Betsileo: Bible for Levitikosy

Formatted for Translators

©2022 Wycliffe Associates
Released under a Creative Commons Attribution-ShareAlike 4.0 International License.
Bible Text: The English Unlocked Literal Bible (ULB)
©2017 Wycliffe Associates
Available at https://bibleineverylanguage.org/translations
The English Unlocked Literal Bible is based on the unfoldingWord® Literal Text, CC BY-SA 4.0. The original work of the unfoldingWord® Literal Text is available at https://unfoldingword.bible/ult/.
The ULB is licensed under the Creative Commons Attribution-ShareAlike 4.0 International License.
Notes: English ULB Translation Notes
©2017 Wycliffe Associates
Available at https://bibleineverylanguage.org/translations
The English ULB Translation Notes is based on the unfoldingWord translationNotes, under CC BY-SA 4.0. The original unfoldingWord work is available at https://unfoldingword.bible/utn.
The ULB Notes is licensed under the Creative Commons Attribution-ShareAlike 4.0 International License.
To view a copy of the CC BY-SA 4.0 license visit http://creativecommons.org/licenses/by-sa/4.0/
Below is a human-readable summary of (and not a substitute for) the license.
You are free to:
The licensor cannot revoke these freedoms as long as you follow the license terms.
Under the following conditions:
Notices:
You do not have to comply with the license for elements of the material in the public domain or where your use is permitted by an applicable exception or limitation.
No warranties are given. The license may not give you all of the permissions necessary for your intended use. For example, other rights such as publicity, privacy, or moral rights may limit how you use the material.

Levitikosy

11Nangaika an'i Mosesy i Yaveh sady nangaika anazy hatagny amin'ny tragno-lay fihiaognana, nanao hoe:2 "Mitarogna amin'ny vahoakan'Israely ko lazao amin-dreo hoe: 'Lehe misy ona aminareo mitondra fagnatitsa ho an'i Yaveh, de mitondrà raika amin'ny bibinareo hatao fagnatitsareo, na hatamin'ny ondry na hatamin'ny osy.3Lehe fagnatitsa doroana avy hatamin'ny ômby ny fagnatiny, de tsy maintsy lahy tsa misy kilema ro atolony. Hanolotsa anizay eo amin'ny fidirana amin'ny tragno-lay fihiaognana i, mba ho akasitrahana eo agnatrehan'i Yaveh zay.4 Hametraka ny tagnany eo an-dohany fagnatitsa doroana i, de ho akasitrahana any amizay mba ho fagnavotana ho anazy5De aoka i hamono ny ômbilahy eo alohan'i Yaveh. Ny zanak'i Arona, ny pisorogna, de hanolotsa rà sady hamafy anizay eo amin'ny alitara eo amin'ny fidirana mandeha ao amin'ny lay fihaognana. 6De aoka i handotsa ny fagnatitsa doroana sady hanetika anizay.7De handrehitsa afo eo amin'ny alitara de hagnisy kitay ko hapirehitsa ny afo ny zanak'i Arona.8 Ny zanak'i Arona,ny pisorogna, de hametraka ny tetika, ny lohany sy ny saborany, hitandahatsa eo amboniny kitay ze efa mirehitsa eo amboniny alitra.9 Fa ny tôvany sy ny feny de tsy maintsy sasany amin'ny rano. De handoro ny raha aby eo amin'ny alitara ho fagnatitsa doroana ho an'i pisorogna. Hiteraka hagnitsa malefaka ho an'Ahy zay; ho fagnatitsa natao tamin'ny afo ho anahy zay.10Lehe avy amin'ny ondry aman'osy ny fagnatiny ho amin'ny fagnatitsa doroana, de ny raika amin'ny ondry na ny raika amin'ny osy, de tsy maintsy lahy tsa misy kilema ro hatolony.11 Aoka hamono anizay eo amin'ny lafy avaratsy ny alitara eo agnatrehan'i Yaveh i. Ny zanak'i Arona, ny pisorogna, de hamafy ny rànizay amin'ny lafin'ny alitara aby.12De aoka i hanetika anizay, miaraka amin'ny lohany sy ny saborany, de ny pisorogna handahatsa anireo eo amin'ny kitay efa mirehitsa, ze eo ambonin'ny alitara,13 nefa aoka ho sasàny amin'ny rano ny taovany sy ny feny. De hanolotsa anazy manotolo ny pisorogna, sady handoro anizay eo amin'ny alitara. Izay ro fagnatitsa doroana, de hiteraka hagnitsa malefaka ho an'i Yaveh zay; ho fagnatitsa natao tamin'ny afo ho Anazy zay.14Lehe fagnatitsa doroana vorogna ny fagnatiny ho an'i Yaveh, de tsy maintsy mitondra domoina na zana-borimahilala hatao fagnatiny i. 15Tsy maintsy mitondra anizay eo amin'ny alitara ny pisorogna, mariny ny lohany, sady mandoro anizay eo amin'ny alitara. de araraka eo amin'ny alitara ny ràn'izay.16Tsy maintsy halainy ny takorobabon'izay sy ny raha ao agnatiny, de hariany agnilany alitara eo atsinaninany zay, eeo amin'ny toerany lavelogna.17 Tsy maintsy hamoha anizay hateo amin'ny elany i, nefa tsa azo zarainy roa zay. De handoro anizay eo amin'ny alitara ny pisorogna, eo amin'ny kitay efa mirehitsa. Ho fagnatitsa doroana zay, sady hiteraka hagnitsa malefaka ho an'i Yaveh zay, ho fagnatitsa natao tamin'ny afo ho an'Azy zay.
21Lehe misy fagnatitsa voa ho an'i Yaveh, de aoka ho koba soa toto ny fagnatiny, de handraraka diloilo eo amin'izay sy hametraka ditikazo magnitsa eo amin'izay i.2 Hitondra ny fagnatitsa eo amin'ny pisorogna zazak'i Arona i, de hangalaka koba soa toto eran'ny tagnana miaraka amin'ny diloilo sy ditikazo magnitsa eo amizay ny pisorogna. De handoro ny fagnatitsa eo amin'ny alitara ho fagnati-pahatsiarovana ny pisorogna. Hamoka hagnitsa malefaka ho an'i Yaveh zay; ho fagnatitsa natao tamin'ny afo ho an'Azy.3 Ze aby tavela amin'ny fagnatitsa de ho an'i Arona sy ny zanany lahy. Masina tokoa avy amin'ny fagnatitsa ho an'i Yaveh natao tamin'ny afo ho an'i Yaveh zay.4ehe manolotsa fagnatitsa voa tsa misy lalivay zay nandrahoana tamin'ny lafaoro agnao, de aoka ho mofo malemy vita tamin'ny koba soa toto mifangaro diloilo zay, na mofo mafy tsa misy lalivay, ze voahositsa diloilo. Lehe nandrahoana tamin'ny lasitra vy5 fisaka ny fagnatitsa voa, de aoka ho avy amin'ny koba soa toto tsa misy lalivay ze mifangaro diloilo zay.6Hozarainao zay sady handrahoanao diloilo eo aminazy. Izay ro fagnatitsa doroana. 7Lehe nandrahoana tamin'ny lasitra vy ny voa nao, de aoka hatao amin'ny koba soa toto sy diloilo zay.8Aoka hitondra voa natao tamin'ny raha ho an'i Yaveh agnao, sady zay de hatolotsa eo amin'ny pisorogna, ze hitondra anizay eo amin'ny alitara. 9Avy eo de hangalaka ny sasany amin'ny fagnatitsa voa ho fagnati-pahatsiarovana ny pisorogna, de handoro anizay eo amin'ny alitara i. Ho fagnatitsa natao tamin'ny afo zay, de hahatonga hagnitsa akasitrahana ho an'i Yaveh. 10Ze ambin'ny amin'ny fagnatitsa hoanina de ho an'i Arona sy ny zanany lahy. Masina de masina hatamin'ny fagnatitsa atao amin'ny afo ho an'i Yaveh zay.11Tsa hisy voa ho atolotsa ho an'i Yaveh ko hisy lalivay, satria tsa tokony handoro masirasira, na tantely, ho ho fagnatitsa natao tamin'ny afo ho an'i Yaveh agnao.12 Hanolotsa fagnatitsa voaloham-bokatsa ho an'i Yaveh agnao, kanefa tsa hapiasaina hamohana hagnitsa malefaka eo amin'ny alitara reo. 13Aoka hagnome tsiro tsiraidraika amin'ny fagnatitsa voa amin'ny sira agnao. Aoka tsa hoadigno mihitsy amin'ny fagnatitsa voa ny siran'ny fagniken'Andriamagnitsao. Monolotsa sira amin'ny fagnatitsao aby.14Lehe manolotsa fagnatitsa voalohambokatsa ho an'i Yaveh agnao, de manolora voa vaovao ze natono tamin'ny afo sy nopotehina hatao sakafo sy avy eo.15 De aoka hagnisy ditikazo magnitsa ao amizay agnao. Zay ro fagnatitsa voa.16 Sady handoro ny ampahan'ny voa voatoto sy diloilo de ditikazo magnitsa hatao fagnati-pahatsiarovana ny pisorogna. Zay ro fagnatitsa natao tamin'ny afo ho an'i Yaveh.
31Lehe misy ona malotsa sorogna, ze fagnati-pihavagnana amin'ny raika amireo biby avy amin'ny andian'ômby, na lahy na vavy, de aoka i hagnome biby tsa misy kilema eo alohan'i Yaveh. 2Hametraka ny tagnany eo an-dohan'ny fagnatiny i sady hamono anizay eo ambaravaran'ny lay fihaognana. De ny zanaka lahin'i Arona hamafy ny rànizay amin'ny lafin'ny alitara.3Hanolotsa soron'ny fagnati-pihavagnana amin'ny afo ho an'i Yaveh ny lihilahy. Ny sabora ze mandrakotsa na mifandray amin'ny taovany,4 ny voa roa sy ny sabora ze eo amin-dreo amin'ny alalan'ny valahin'ny, sady ilainy ny atiny, miaraka amin'ny voan'ny__de halainy aby zay.5 Ny zanaka lahin'i Arona de handoro anizay eo ambonin'ny alitara miaraka amin'ny fagnatitsa doroana, ze eo ambonin'ny kitay efa mirehitsa. Hamoaka hagnitsa malefaka ho an'i Yaveh zay; ho fagnatitsa doroana natao ho an'Azy amin'ny alalan'ny afo zay.6Lehe ohatsa ko avy amin'ny ondry aman'osy ny soron'ny fagnati-pihavagnany lihilahy ho an'i Yaveh; na lahy na vavy, de tsy maintsy manolotsa sorogna tsa misy kilema i,7 Lehe manolotsa zanak'ondry hataoko sorogna i, de tsy maintsy atolony eo alohan'i Yaveh zay. 8Hametraka ny tagnany eo andohan'ny sorony sy hamono anizay eo alohan'ny lay fihaognana i. De hamafy ny ràny amin'ny sisiny alitara ny zanaka lahin'ny Arona.9Hanolotsa ny soron'ny fagnati-pihavagnana ho fagnatitsa natao tamin'ny afo ho an'i Yaveh ny lihilahy. Ny sabora, ny rambo matavy abiaby de ho tapahina mandriny ny taolan-damigna, de ny sabora ze mandrakotsa ny taovany sy ny sabora aby ze mariny ny taovany,10 de ny voa roa sy ny sabora ze ao agnatiny, ze ao agnatiny valahin'ny, de ny ila-atiny, miaraka amin'ny voa__de halainy zay aby zay.11 De handoro anizay aby zay eo amin'ny alitara hatao fagnatitsa doroana hohanina ho an'i Yaveh ny pisorogna.12Lehe ohatsa ka osilahy ro fagnatits'ilay lihilahy, de hanolotsa anizay eo alohan'i Yaveh i.13 Aoka i hametraka ny tagnany eo an-dohan'ny osilahy de hamono anizay mandriny ny lay fihaognana. De hamafy ny ràn'izay amin'ny lafin'ny alitara ny zanaka lahin'i Arona.14 Hanolotsa ny sorogna natao tamin'ny afo ho an'i Yaveh ny lihilahy. Hanaisotra ny sabora ze mandrakotsa ny faritsa agnaty i, de ny sabora aby mandriny ny faritsa agnaty.15Hagnala ny voa roa sy ny sabora ze miaraka amin'ny i, ze marin'ny ny valahina, de ny ila-atiny miaraka amin'ny voa.16 Handoro ze aby zay eo ambony alitara hatao fagnatitsa hohanina natao tamin'ny afo ny pisorogna, mba hamoaka hagnitsa malefaka. An'i Yaveh ny sabora aby.17 Ho lalàna mandrakizay eo amin'ny taranakareo fara mandimby amizay toerana aby honegnanareo zay, de aoka tsa hihinana sabora na rà agnareo."'
41Niresaka tamin'i Mosesy i Yaveh, nanao hoe: 2"Lazao ny vahoakan'Israely hoe: 'Lehe misy ona manota nefa tsa nagniry ny hanota, nanao ny raha aby ze nandidian'i Yaveh mba tsa hatao, de lehe manao raha ze voarara i, de tsy maintsy atao anireto magnaraka reto.3 Lehe ohatsa ka ny pisorogna be ro manota ko mitondra fagnamelohana eo amin'ny vahoaka, de aoka i hanolotsa vatots'ombilahy lahy tsa misy kilema ho an'i Yaveh hatao fagnatitsa tratsan'ny ota.4Aoka i hitondra ombilahy eo amin'ny fidiran'ny tragno ao amin'ny lay fihaognana eo agnatrehan'i Yaveh, hametraka ny tagnany eo amin'ny lohany, sady hamono ny ôkbilahy eo agnatrehan'i Yaveh. 5Ny pisorogna voahosotsa de hangalaka sombiny amin'ny ràn'ny ombilahy de hitondra anizay ho ao amin'ny lay fihaognana.6Nagnatsoboka ny tagnany tamy rà ny mpisorogna ko namafy im-pito azy teo imason'i Yaveh, eo alohan'ny lamba fitoerana masina indrindra. 7Sy avy eo ny pisorogna de hangalaka amin'ny rà ho eo amin'ny tandroky ny alitaran'ny ditik-kazo magnitsa eo agnatrehan'i Yaveh, ze eo amin'ny lay fihaognana, de handraraka ny sisa ambiny ny rà ny ômbilahy agny amin'ny fagnambaniny alitara i hatao fagnatitsa doroana, ze eo amin'ny fidiran'ny lay fihaognana.8Halainy aby ny sabora eo amin'ny omby hatao fagnatitsa nohon'ny ota; ny sabora ze mandrakotsa ny agnatiny, ny sabora aby ze mandrakotsa ny agnatiny,9 ny voa roa sy ny sabora ze eo aminazy, ze agnilany valahigna, de ny ila atiny miaraka amin'ny voa__hagnala anizay aby zay I.10 Hoalainy aby zay aby zay, tahaka ny nagnalany anizay aby zay tamin'ny ômby natao fagnati-pihavagnana. Sy avy ny pisorogna de handoro ny apahany eo amin'ny alitara ho fagnatitsa doroana.11Ny hoditsy ny omby sy ze hena tavela, miaraka amin'ny lohany sy ny tongony de ny tao agnatiny sy ny zezika ny, 12 ny ambin'ny vatany omby aby__ho ferina ivelany toby aby reo apahany reo ho agny amin'ny toerana ze efa nofidian-dreo ho Anahy, ze nandrarahan-dreo lavelogna; handoro ny apahany eo ambonin'ny kitay reo. Aoka ny apahany reo ho doroan-dreo eo amin'ny nandrarahan-dreo lavelogna.13Lehe manota tsy nahy ny fiangonan'Israely aby, sady tsa nahafatatsa ny fiangonana fa nanota reo sady nanao anize nandraran'i Yaveh tsa hatao, sady lehe meloka reo, 14de sy efa fantatsa ny ota nataon-dreo, de aoka ny fiangonana hanolotsa vatots'omby hatao fagnatitsa nohon'ny ota sady hitondra anizay eo alohan'ny tragno-lay fihaognana. 15 Ny loholon'ny fiangonana de hametraka ny tagnany eo ambony lohany omby alohan'i Yaveh, de ho vonoana eo alohan'i Yaveh ny omby lahy.16Ny pisorogna voahosotsa de hitondra sombiny amin'ny rá ny ômby hatao agny amin'ny tragno lay fihaognana,17 de hagnatsoboka ny tagnany ao amin'ny rà de hagnamafy anizay impito eo alohan'i Yaveh, eo alohan'ny lamba.18Hagnosotsa sombiny amin'ny rà eo amin'ny tandroky ny alitara ze eo alohan'i Yaveh i, ze ao amin'ny tragno lay fihaognana, de handraraka ny rà aby eo amin'ny fagnambaniny alitara hatao fagnatitsa doroana, ze eo amin'ny fidirana eo amin'ny tragno lay fihaognana.19 Hagnala ny sabora ze eo amin'ny alitara.20Izay ro aoka hataony amin'ny ômby. Tahaka ny efa natao tamin'ny omby natao fagnatitsanohon'ny ota, ro hataony aminio omby io, de ny pisorogna de hanao fagnavotana ho an'ny vahoaka, ko ho voavela reo. 21Ho feriny agny ivelany toby ny omby sady handoro anizay tahaka ny nandoroany ny omby voalohany i. Izay ro fagnatitsa nohon'ny ota ho an'ny fiangonana.22Sy efa nanota tsy nahy ny panapaka, amin'ny fanaovana ny raika aminy raha aby ze nandidian'i Yaveh mba tsa hatao, ko meloka i,23 de hapafantarina anazy ny ota ze nataony, aoka i hitondr osy, osilahy tsa misy kilema hatao sorony.24Hametraka ny tagnany eo amin'ny lohan'ny osy i sady hamono anizay eo amin'ny toerana ze namonoan-dreo ny fagnatitsa doroana eo alohan'i Yaveh. fagnatitsa nohon'ny ota zay.25 Ny pisorogna de hangalaka ny rány fagnatitsa nohon'ny ota amin'ny tagnany sady hametraka nizay eo amin'ny tandroky ny alitara hatao fagnatitsa doroana, de handraraka ny ràn'izay eo amin'ny fagnambanin'ny alitaran'ny fagnatitsa doroana i.26Ho doroan'ny eo amin'ny alitarany aby ny sabora, tahaka ny sabora tamin'ny soron'ny fagnati-pihavagnana. Ny pisorogna de hanao fagnavotana ho an'ny panapaka mahakasika ny otany, de ho voavela ny panapaka.27Lehe misy amireo sarambambem-bahoaka manota tsa nahy, amin'ny fanaovana ny raha aby nandidian'i Yaveh an-dreo tsa hatao, de sy efa fantany ny helony,28 de ho apafantarina anazy ny ota ze nataony, sady hitondra osy raika, osivavy tsa misy kilema ho sorony, ho an'ny ota ze nataony.29Hametraka ny tagnany eo amin'ny lohan'ny fagnatitsa nohon'ny ota i sady hamono ny fagnatitsa nohon'ny ota eo amin'ny toeran'ny fagnatitsa doroana.30 Ny pisorogna de handray sombiny amin'ny rà amin'ny tagnany de hametraka anizay eo amin'ny tandroky ny alitara ho fagnatitsa doroana. Handraraka ny ambin'ny rà aby eo amin'ny fagnambanin'ny alitara i.31Hagnala ny sabora aby i, tahaka ny nagnalany ny sabora tamin'ny fagnati-pihavagnana. Ho doroan'i pisorogna eo amin'ny alitara zay mba hamoaka fofogna magnitsa ho an'i Yaveh. Hanao fagnavotana ho an'ny ona ny pisorogna, de ho voavela i.32Lehe mitondra zank'ondry ho ataony sorogna hatao fagnatitsa nohon'ny ota ny lihilahy, de hitondra ondry vavy tsa misy kilema i.33 Hametraka ny tagnany eo amin'ny lohan'ny fagnatits nohon'ny ota i sady hamono anizay ho fagnatitsa nohon'ny ota eo amin'ny toerana ze hamonoan-dreo ny fagnatitsa doroana.34Ny pisorogna de hangalaka sombiny amin'ny ràny fagnatitsa nohon'ny ota amin'ny ratsa-tagnany de hametraka anizay eo amin'ny tandroky ny alitara hatao fagnatitsa doroana, de ho ararany eo amin'ny fagnambanin'ny alitara aby ny rànizay. 35Hagnala ny sabora aby i, tahaka ny nagnalany ny saboran'ny zanak'ondry tamin'ny sorony fagnati-pihavagnana, de hodoroan'ny pisorogna eo amin'ny alitara eo ambonin'ny fagnatita'i Yaveh natao tamin'ny afo zay. Hanao fagnavotana ho an'azy ny pisorogna nohon'ny ota ze nataony, de ho voavele ny lihilahy.
51Lehe misy ona manota satria tsa nijoro i tamin'ny raha ze nilàna ny fijoroany vavolombelogna, nako efa nahita anizay i na nahare ny momban'izay, de ho topon'andraikitsa i. 2 Na lehe misy ona mikasika ny raha efa natokan'Andriamagnitsa ho maloto, na ny fatiny bibidia maloto zay na ny fatim-biby fiompy ze efa maty, na biby mandady, nako de tsa nihievitsa ny hikasika anizay aza ny ona, de maloto sy meloka i.3Na lehe mikasika ny fahalotoan'ny ona raika, na ina na ina ze fahalotoany, sady lehe tsa mahafantatsa anizay i, de ho meloka i sy efa mahalala ny momba anizay.4 Na lehe misy ona mianiana mafy amin'ny molony hanao ratsy, na hanao ny soa, na ina na ina ianiagnan'izay lihilahy zay mafy amin'ny fianiagnana, nako de tsa mahafantatsa anizay aza i, sy efa mahalala ny momba anizay i, de ho meloka, amin'ny aby reo.5Lehe meloka amizay ny ona raika, de tsy maintsy miaiky ze heloka aby nataony i. 6De aoka i hitondra fagnatitsa noho ny heloka amin'ny Yaveh nohon'ny fahotana ze efa vitany, Biby vavy raika avy amin'ny ondry aman'osiny, na zanak'ondry na osy, ho an'ny fagnatitsa nohon'ny ota, de ny pisorogna hanao fagnavotana ho anazy mahakasika ny fahotany.7Lehe tsa mahavita mividy zanak'ondry i, de mahazo mitondra domoina roa ana vorimahalala vatony roa ho an'i Yaveh i hatao fagnatitsa nohon'ny heloka nohon'ny fahotany, raika fagnatitsa nohon'ny ota de ny raika hafa hatao fagnatitsa doroana.8 Aoka i hitondra ny amin'ny pisorogna, ze hanolotsa ny raika aloha ho an'ny fagnatitsa nohon'ny ota__hagnolagna ny lohan'izay i nefa tsa hagnala anizay tanteraka amin'ny vatany. 9 Sy avy eo de hamafy ny apahan'ny amin'ny ràn'ny fagnatitsa nohon'ny ota eo amin'ny ilan'ny alitara i, de handraraka ny sisan'ny rá eo amin'ny fagnambanin'ny alitara i. Izay ro fagnatitsa nohon'ny ota.10Magnaraka anizay de aoka i hanolotsa ny vorogna faharoa hatao fagnatitsa doroana, araka ny voafaritsa tao amin'ny torolalagna, de hanao fagnavotana ho anazy nohon'ny ota ze efa vitan'ny pisorogna, ko de ho voavela ny heloky ny ona.11Kanefa lehe ohatsa ka tsa mahatakatsa domoigna roa na vorimahilala roa i, hatao sorogna noho ny fahotany de aoaka i hitondra apahafolon'ny efaha amin'ny koba soa toto ho an'ny fagnatitsa nohon'ny ota. Aoka i tsa hagnisy diloilo na ditin-kazo magnitsa amin'izay, satria fagnatitsa nohon'ny ota zay.12Aoka i hitondra anizay agny amin'ny pisorogna , de hangalaka raitagnana amizay ny pisorogna hatao fagnatitsa ho fagnati-pahatsiarovana de sy avy eo handoro anizay eo amin'ny alitara, eo an-tapon'ny fagnatitsa natao tamin'ny afo ho an'i Yaveh. Izay ro fagnatitsa nohon'ny ota.13 Hanao fagnoregnana ho an'izay fahotana vitan'ny ona ny ona zay. Reo sisa avy amin'ny fagnatitsa de ho an'ny pisorogna, tahaka ny amin'ny fagnatitsa voa."'14De nitarogna tamin'ny Yaveh i Mosesy nanao hoe:15 "Lehe misy ona mandika ny didy sy manota reo raha ze an'i Yaveh, kanefa nanao anizay tsa nahy, de aoka i hitondra ny fagnatiny nohon'ny heloka ho an'i Yaveh. Izay fagnatitsa zay de tsy maintsy ondry lahy tsa misy kilema avy amin'ny ondry aman'osy; ny lanjan'izay de aoka ho tombagnana amin'ny sekely volafotsy__ny sekelin'ny fitoerana masina__ho fagnatitsa nohon'ny heloka.16 Aoka i hanao ze mahafapo an'i Yaveh noho ze ratsy efa vitany mifandray amin'ny masina, de aoka i hagnampy amizay sady hagnome anizay ho an'i pisorogna. De hanao fagnoregnana ho anazy amin'ny ondrilahin'ny fagnatitsa nohon'ny heloka ny pisorogna, ko de ho voavela zay ona zay.17Lehe misy ona manota sy manao anizay raha efa nodidian'i Yaveh tsa ho atao, nako de tsa mahafantatsa anizay aza i, de vona meloka i ko tsy maintsy hilanja ny helony hiany.18 Aoka i hitondra ondry lahy raika tsa misy kilema avy amin'ny ondry aman'osy, ze mendrika ny tombam-bidiny, ho fagnatitsa nohon'ny heloka ho an'ny pisorogna. Avy eo de hanao fagnoregnana ho anazy mahakasika ny fahotana ze efa vitany ny pisorogna, amize tsa fahafantarany, ko de ho voavela i.19 Izay ro fagnatitsa nohon'ny heloka, de meloka tokoa i eo agnatrehan'i Yaveh."
61Nitarogna tamin'i Mosesy i Yaveh nanao hoe:2 "Lehe misy ona manota ko mandika ny lalàna manohitsa an'i Yaveh, tahaka ny hoe mifampiraharaha ambadikamiaraka amin'ny namany mahakasika ny raha ze nankinina taminazy, lehe mamitaka i na mandroba anazy, na napijaly ny namany, 3na nahita raha ze novirezin'ny namany ko mandenga amizany, de mianiana amin'ny lenga, na amin'ny raha tahaka ny hanotan'ny ona,4 de, lehe manota i ko meloka, de tsy maintsy hagnapody, de tsy maintsy hagnapody anize aby nalainy tamin'ny alalany fandrobana na fapahoriana na nangalaka anize nankinina taminazy na raha very ko hita ndraika.5Na nandenga tamin'ny raha aby i, de tsy maintsy hagnapody aby anizay sady tsy maintsy hagnampy raika apahadimy hanoloana anizay amin'ny topony, amin'ny andro ze nahameloka anazy.6 De tsy maintsy hitondra ny fagnatipagnoregnana ho an'i Yaveh i: ondry lahy tsa misy kilema avy amin'ny ondry aman'osy ze mendrika ny tombam-bidiny, ho fagnati-pagnoregnana ho an'ny pisorogna.7 Hanao fagnavotana ho anazy eo alohan'i Yaveh ny pisorogna, de ho voavela amize aby nahatonga anazy ho meloka amin'ny nataony i."8De nitarogna tamin'i Mosesy i Yaveh, nanao hoe:9 "Didio i Arona sy ny zanany, lazao hoe: 'Zao ro lalàny fagnatitsa doroana: Tsy maintsy eo ambony fatagna ny alitara ny aligna manontolo zizika maraigna ny fagnatitsa doroana, de ny afony alitara de avela hirehitsa hiany.10Hanao ny akanjo rongony fotsy ny pisorogna, de hanao ny atin'akanjo rongony fotsy hiany koa i. Hangalaka ny lavelogna ze tavela tafaran'ny nandivegnany afo ny fagnatitsa doroana eo ambony alitara i, sady hametraka ny lavelogna eo ambony alitara.11 Hagnala ny fitafiany i de hapiditsa ny akanjo hafa mba hitondrana ny lavelogna hienga ny toby ho agny amin'ny toerana ze madio.12Ny afo eo amin'ny alitara de havela hirehitsa hiany. Aoka tsa hienga zay, de ny pisorogna de handoro hazo eo ambonin'izay isaky ny maraigna. Handamigna ny fagnatitsa doroana araka ny ze takiana aminazy i, Sady handoro ny sabora fagnati-pihavagnana hiany koa i.13 Avela hirehitsa eo ambony alitara mandrakariva ny afo. Aoka tsa hienga zay14ao ro lalany fagnatitsa voa. Hanolotsa anizay eo alohan'i Yaveh mariny ny alitara ny zanaka lahin'i Arona.15 Hangalaka koba soa toto eraky ny tagnana amin'ny fagnatitsa voa sy amin'ny diloilo de ny diti-kazo magnitsa ze eo ambonin'ny fagnatitsa voa ny pisorogna, de handoro anizay eo ambony alitara mba hamoaka fofogna magnitsa tahaka ny fagnati-pahatsiarovana zay.16Hihinana ny ze sisa amin'ny fagnatitsa i Arona sy ny zanany lahy. Tsy maintsy hohanina tsa misy lalivay ao amin'ny fitoerana masina zay. Hihinana ao amin'ny kianjan'ny tragno-lay fihaognana reo.17 De aza andrahoana miaraka amin'ny lalivay zay. Nameko ho anjaran-dreo amin'ny fagnatitso natao tamin'ny afo zay. Masina indrindra zay, tahaka ny fagnatitsa nohon'ny ota de ny fagnati-pagnoregnana zay.18 Fa mandritsa ny fotoagna aby hiavian'ny taranakao fara mandimby, ny taranaka lahy sasany avy amin'i Arona de aoka hihinana anizay tahaka ny fizaràny, nalaina avy tamireofagnatits'i Yaveh natao tamin'ny afo. Na ia na ia mikasika anizay de hanjary masina."'19Ko nitarogna tamin'i Mosesy ndraika i Yaveh, nanao hoe:20 "Izao ro fagnatits'i Arona sy ny zanany lahy, ze hamen-dreo an'i yaveh amin'ny andro ze hagnosorana ny zanaka lahy aby: ny apahafolon'ny efaha raika amin'ny koba soa toto hatao fagnatitsa voa fanao mahazatsa, antsasany amizay maraigna de ny antsasany amizay hariva.21Ho vita amin'ny menaka agnaty lsitra mofo zay. Sy efa vonto menaka zay, de ho ferinao miditsa. Voaendy ro hanoloranao fagnatitsa voa mba hamoaka hagnitsa malefaka ho an'i Yaveh.22 Ny zanaka lahin'ny pisorognabe vaovao amin'ny zanany lahy ro hanolotsa anizay. araka ny efa nandidiana hatrizay, de hodoroana ho an'i Yaveh aby zay.23 Ny fagnatitsa voan'ny pisorogna de horoana aby. Aoka tsa hoanina zay."24Nitarogna tamin'i Mosesy ndraika i Yaveh ko nanao hoe: 25"Mitarogna amin'i Arona sy ny zanany lahy, Manao hoe: "Izao ro lalàn'ny fagnatitsa nohon'ny fahotana de tsy maintsy vonoana eo amin'ny toerana ze namonoana ny fagnatitsa doroana eo alohan'i Yaveh. zay ro masina indrindra.26 Ny pisorogna ze hanolotsa anizay ho an'ny fahotana de hihinana anizay. Tsy maintsy hohanina agny amin'ny fitoerana masina ao amin'ny kianjan'ny tragno-lay fihaognana zay.27Na ia na ia mikiasika ny henan'izay de ho masina, de lehe misy rà mifafy amin'ny akanjo, de tsy maintsy sasana agny amin'ny toerana masina ny faritsa ze nopitihany.28 Fa ny vilagny tanimanga ze nanpangotrahana anizay de hovakiana. Lehe napangotrahana tagnaty vilagny varahona zay, de aoka hokosehina sy hosasana madio amin'ny rano zay.29Ny lihilahy sasany amin'ny pisorogna de mahazo mihinana amizay satria masina indrindra zay.30 Fa lehe misy fagnatitsa nohon'ny fahotana ko ferina ao amin'ny tragno-lay fihaognana mba hanaovana fagnoregnana ny ràny de aoka tsa hohanina. Aoka hodoroana zay.
71Izao ro lalàna amin'ny fagnatitsa nohon'ny heloka. Ze masina indrindra.2 Aoka reo hamono fagnatitsa nohon'ny heloka eo amin'ny toerana famonoana anizay, de aoka reo hagnaparitaka ny rá isaky ny lafin'ny alitara. 3Ny sabora aby eo amizay de de hatolotsa: ny rambon'ny matavy, ny sabora ze magnodidigna ny ao agnatiny,4 ny voa roa sy ny sabora miaraka aminazy, ze mandriny ny valahiny, de ze mandrakotsa ny atiny, miaraka amin'ny voa__de aoka halaina aby zay.5Aoka handoro ny faritsa reo eo amin'ny alitara ny pisorogna mba ho fagnatitsa natao tamin'ny afo ho an'i Yaveh. Izay ro fagnatitsa nohon'ny heloka.6Ny lihilahy tsiraidraika eo amin'ny pisorogna de aoka ny apahany aminio fagnatitsa io. Aoka hoanina eo amin'ny fitoerana masina zay satria masina ndrindra.7Tahaka ny fagnatitsa nohon'ny heloka ny fagnatitsa nohon'ny ota . Mitovy ny lalàna mihiantra amireo. Reo de an'ny pisorogna manao fonegnana amin-dreo.8 Ny pisorogna ze manao fagnatitsa doroan'ny ona de tokony hanagnany hodits'izay sorogna zay ho anazy.9Ny fagnatitsa voa aby ze nandrahoana tao agnaty lafaoro, sy ny fagnatitsa tahaka zay aby nindezina tamin'ny lasitra fagnindezana na nandrahoana de ho an'ny pisorogna ze nanolotsa anizay. 10Ny fagnatitsa voa aby, na maigna na nafangaro tamin'ny menaka, de ho an'ny taranak'i Arona aby hiany koa.11Izao ro lalànana amin'ny sorogn'ny fagnati-pihavagnana ze ho hatolotsy ny ona ho an'i Yaveh.12 Lehe misy magnatitsa anizay mba ho fagnomezam-pisaorana, de aoka i hanolotsa anizay miaraka amin'ny sorogn'ny mofo tsa misy lalivay, kanefa mihosotsa menaka, de ny mofo vita tamin'ny koba soa toto ze nolaroana tamin'ny menaka.13Ao agnatin'ny tanjogna fagnomezam-pisaorana hiany koa, de aoka i hanolotsa apemp-mofo nasiana lalivay miaraka amin'ny fagnati-pihavagnany. 14Aoka i hanolotsa karazany raika amireo fagnatitsa reo ho fagnatitsa hatoro an'i Yaveh. Ho an'ny pisorogna ze naparitaka ny ràn'ny fagnati-pihavagnana teo amin'ny alitara zay.15Aoka ny ona ze manoro ny fagnati-pihavagnana mba ho fahomeza-pisaorana hihinana ny henan'ny fagnatiny amin'ny andron'ny sorogna. Aoka tsa hagnisy sisa amizay i zizika maraigna.16 Fa lehe ho an'ny voody ny sorogn'ny fagnatin'ny, na ho an'ny fagnatitsa an-tsitrapo, de aoka hoanina mandritsa ny andro atirahany ny sorogna hena, fa na ina na ina mety ho sisa amizay de azo hoanina ny apitson'igny.17Leko zay aza, na ina na ina henan'ny sorogna tavela amin'ny andro fahatelo de aoka hodoroana.18 Lehe misy henan'ny sorogna amizay fagnati-pihavagnana nohanina amin'ny andro fahatelo, de tsa ho ekena zay, na ho tanan'ize nanolotsa anazy. Ho raha mahafarikoriko zay, de ny ona ze mihinana anizay de hitondra ny heloky ny otany.19ze hena mikasika raha maloto de aoka tsa hoanina. Aoka hodoroana zay. Ny amin'ny sisan'ny hena, de azon'ny ona madio hoanina zay.20 Neko zay nefa, ze ona maloto mihinana hena avy amin'ny sorony fagnati-pihavagnana ze an'i Yaveh__de aoka zay ona zay halaina eo amin'ny vahoakany21Lehe misy ona mikasika raha maloto__ na fahalotoan'olo, na biby maloto, na raha maloto mahafarikoriko hafa, sady lehe mihinana tamin'ny soron'ny fagnati-pihavagnana ze an'i Yaveh i sy avy eo, de aoka zay ona zay halaina eo amin'ny vahoakany22De nitarogna tamin'i Mosesy i Yaveh, nanao hoe:23 "Mirisaha amin'ny vahoakan'Israely de lazao hoe: Aoka agnareo tsa hihinana ny saboran'ny ômby na ondry na osy.24 Ny saboran'ny biby ze maty tsa tamin'ny sorogna, na ny saboran'ny biby noviravirainy bibidia, de azo apesaina amin'ny raha hafa, fa aoka agnareo tsa hihinana anizay mihintsy.25Na ia na ia ona mihinana ny saboran'ny biby ze mety ataon'ny ona ho sorogna natao tamin'ny afo ho an'i Yaveh, de aoka halaina amin'ny vahoakan'ny zay ona zay.26 Aoka agnareo tsa hihinana rà na avy aminina na avy aminina ao an-dragnonareo, na avy amin'ny vorogna zay na biby.27 Na ia na ia mihinana rà, de aoka halaina amin'ny vahoaka zay ona zay."'28Koa niresaka tamin'i Mosesy i Yaveh sady nitarogna hoe:29 "Mirisaha amin'ny vahoakan'Israely de lazao hoe: 'Aoka hitondra anjara sorogna ho an'i Yaveh ze magnatitsa ny fagnatitsy ny soro-pihavagnana ho an'i Yaveh. 30 Ny fagnatitsa ho an'i Yaveh ze hatao amin'ny afo, de aoka ny tagnany hiany ro hitondra anizay. Aoka i hitondra ny sabora miaraka amin'ny tratra, ko aoka havela ho fagnatitsa ahevaheva ho an'i Yaveh zay.31Aoka ny pisorogna handoro ny sabora eo amin'ny alitara, fa ny tratrany de an'i Arona sy taranany.32 Aoka homenareo ny pisorogna ny feny havagnana ho fagnatitsa atoro ao amin'ny sorony fagnati-pihavagnanareo.33Ny pisorogna, raika amireo taranak'i Arona, ze manolotsa ny ràn'ny fagnati-pihavagnana sy ny sabora__de hahazo ny feny havagnana i ho tahaka ny anjarany amin'ny fagnatitsa.34 Fa efa noraisiko tamin'ny vahoakan'Israely, ny tratran'ny fagnatitsa ahevaheva, sy ny feny ze fandraisana anjara, sady reo de namena an'i Arona sy ny zanany lahy ho anjara mahazatsa ho an-dreo.35Izay ro anjaran'i Arona sy ny taranany avy tamin'ny fagnatitsa natao tamin'ny afo ho an'i Yaveh, tamin'ny andro ze nanoloran'i Mosesy an-dreo mba hanompo an'i Yaveh amin'ny asa maha pisorogna.36 Izay ro anjaran'ny ze nandidian'i Yaveh hamena an-dreo avy tamin'ny vahoakan'Israely, tamin'ny andro nagnosorany ny pisorogna. Izay hiany ro anjaran-dreo hatramin'ny taranaka fara-mandimby.37Izay ro lalána amin'ny fagnatitsa doroana , amin'ny fagnatitsa voa, amin'ny fagnatitsa nohon'ny ota, amin'n y fagnatitsa nohon'ny heloka, ny fagnati-panokagnana , sy ny soron'ny fagnat-pihavagnana,38 ze efa nagnomezan'i Yaveh didy an'i Mosesy teo an-tendrombohitsa Sinay tamin'ny andro ze nandidiany ny vahoakan'Israely mba hanolotsa ny sorognan-dreo ho an'i Yaveh tagny an-tany efits'i Sinay."'
81Yaveh nitarogna tamin'i Mosesy,nanao hoe:2 "Aiao i Arona sy ny zanany lahy miaraka aminazy, ny fitafiana sy diloilo fagnosorana, ny ômbilahy hatao fagnatitsa nohon'ny ota, ny ondry lahy roa, de ny harogna fitoeram-bary tsa misy masirasira.3 Avondrony eo amin'ny fidiran'ny tragno-lay fihaogna ny fiangonana aby."4Ko de nanao ze araka ny nandidian'i Yaveh anazy i Mosesy, de avy nivory teo amin'ny fidirana mandeha agny amin'ny tragnolay fihaognana ny fiangonana.5 Sy avy eo nitarogna tamin'ny fiangonana i Mosesy hoe: "Izao ro nandidian'i Yaveh ho atao."6Noferin'i Mosesy i Arona sy ny zanany lahy de nosasany tamin'ny rano reo.7 Napanaoviny an'i Arona ny akanjo lava sady narohiny teo amin'ny andilany ny hetsa, nampitafiany tohitegna i sady nasiany efoda tegny aminazy, de narohiny teo amin'ny efoda niaraka tamin'ny lamba voatenona manjinika ko narohy tamin'ny trogna zay.8Napetrany teo amin'ny saro-tratra, de tao agnatin'ny saro-tratra ro nasiany ny Orima sy ny tomima.9 Nametraka ny hamama teo amin'ny lohany i, de tao agnatiny hamama, teo alohany, ro nagnasiany ny takela-bolamena, sy ny diadema masina, araka ny nandidian'i Yaveh anazy.10Nandray ny diloilo fagnosorana i Mosesy, ko nagnosotsa ny tabernakely sy ze raha aby tao aminazy de nanokagna anizay ho an'i Yaveh.11 Nagnamafy ny diloilo impito teo amin'ny alitara i, sady nagnosotsa ny alitara sy ny raha aby tao agnatiny, de ny tavy sy ny faladiany, mba hanokagnana anireo ho an'i Yaveh12Nandaraka ny sasany tamin'ny diloilo fagnosorana tamin'ny lohany i Arona i ko nagnosotsa anazy mba hanokagnana anazy. 13Noferin'i Mosesy ny zanaka lahin'i Arona de napitafian'ny akanjo lava reo. Nandrohy hetra tamin'ny andilany reo sady namogno lamba rongony fotsy tegny an-dohan-dreo, araka ny nandidian'i Yaveh anazy.14Nitondra ny omby lahy fagnatitsa nohon'ny ota i Mosesy, de arona sy ny zanany lahy nametraka ny tagnany teo amin'ny lohan'ny ombilahy ze avy noferin-dreo ho agny fagnatitsa nohon'ny ota.15 Novonoany zay, de nangalaka ny rà sy nametaka anizay tambonin'ny tandroky ny alitara tamin'ny fanondrony i, nagnadio ny alitara,nandraraka ny rà teo amin'ny fagnambaniny alitara, ko nanokagna anizay ho an'Andriamagnitsa mba hanaovanyfagnoregnana ho amizay.16Nalainy aby ny sabora tao agnatiny, ny sarogn'aty, sy ny voa roa de ny saborany, sady nandoro ny teo amin'ny alitara i Mosesy.17 Fa ny omby lahy, ny hodiny, ny henany, sy ny tain-drorohany de nodoroana teo ivelan'ny toby, araka ny nandidian'i Yaveh anazy.18Nanolotsa ny ondrilahy ho amin'ny fagnatitsa doroana i Mosesy, fa i Mosesy sy ny zanany lahy de nametraka ny tagnany teo amin'ny lohan'ny ondry lahy.19 Novonoany zay ko nafafy magnodidigna ny lafin'ny alitara aby ny ràny.20Notitehany ny ondrilahy de nodoroana ny lohany sy ny silany de ny saborany.21 Nosasany tamin'ny rano no ny atiny sy ny tongony, de nandoro aby ny ondrilahy teo amin'ny alitara i.Izay ro fagnatitsa doroana sady namoaka ny hagnitsa mamerovero zay, fagnatitsa natao tamin'ny afo ho an'i Yaveh araka ny nandidian'i Yaveh an'i Mosesy.22Avy eo de nanolotsa ondry lahy raika hafa i Mosesy, ny ondry lahy ny fagnamasinana, de i Arona sy ny zanany lahy de nametraka ny tagnany tamin'ny ondrilahy.23 Novoan'i Aron zay, de nangalaka tamin'ny ràny i Mosesy ko namtraka anizay tamin'ny tendron'ny ravitsofin'i Arona akavagnana, teo amin'ny akibe tagnany akavagnana, sy teo amin'ny akibe-tongony akavagnana.24 Noferiny reo zanaka lahin'i Arona, sady nametraka ny sasany tamin'ny rà teo amin'ny tendron'ny ravitssofin-dreo akavagnana, teo akibe-tagnan-dreo akavagnana, sy teo akiben-tongon-dreo akavagnana i. Sy avy eo i Mosesy namafy ny ràn'izay magnodidigna ny lafin'ny alitara aby.25Nalainy ny sabora, ny rambo matavy, ny sabora aby ze tao agnatiny, ny sarogn'aty, ny voa roa sy ny saboarany, de ny feny havagnana.26 Avy tamin'ny harogna fitoera-mofo tsa misy lalivay ze teo agnatrehan'i Yaveh, ro ro nangalany ny mofo tsa misy lalivay raika, de mofo nasiana diloilo, sy mofo manify, sady nametraka anireo teo amin'ny sabora sy teo amin'ny fe havagnana.27 Napetrany tegny amin'ny tagnan'i Arona sy ny tagnan'ny zanany lahy aby reo sady nahevahevany teo agnatrehan'i Yaveh reo mba ho fagnatitsa ahevaheva.28De nalain'i Msesy tegny an-tagnan-dreo reo de nodoroany teo amin'ny alitara ho amin'ny fagnatitsa doroana. Re de fagnatitsa fagnamasinana de namoaka hagnitsa mamerovero. Zay ro fagnatitsa natao tamin'ny afo ho an'i Yaveh.29 Nandray ny tratra sy nagnevaheva anizay hatao fagnatitsa ahevaheva ho an'i Yaveh i Mosesy. Izay ro fizaran'i Mosesy ny ondry lahy ho an'ny fanokagnana ny pisorogna, araka ny nandidian'i Yaveh anazy.30Nangalaka tamin'ny diloilo fagnosorana sy tamin'ny rà ze teo amin'ny alitara i Mosesy; nagnamafy anireo tamin'i Arona, tamin'ny akanjony, tamin'ny zanany lahy, sy tamin'ny akanjony zanany lahy i. Tahaka an'izay ro nanokanany an'i Arona sy ny akanjony, de reo zanany lahy sy ny akanjony ho an'i Yaveh.31Ko de nitarogna tamin'i Arona sy ny zanany lahy i Mosesy hoe: "apangotraho eo amin'ny fidirana mandeha agny amin'ny tragno-lay fihaognana ny hena, de hano zay sy ny mofo ze ao agnatin'ny haron'ny fagnamasinana, araka ny nandidiako, nanao hoe: 'Hihinana anizay i rona sy ny zanany lahy.' 32Ze aby sisa amin'ny hena sy ny mofo de aoka hodoroanao.33 Aza mienga eo amin'ny tragnolay fihaognana ao agnatiny hafitoana agnareo, mandrapahatateraka ny andron'ny fanokagnana anareo. Fa i Yaveh ro hagnamasina anareo amin'ny hafitoana.34Ze efa natao tandroany--de nodidian'i Yaveh mba ho vita mba hanaovana fagnoregnana ho anareo.35 Hitoatsa andro aman'aligna ao amin'ny fidiran'ny tragnolay fihaognana mandritsa ny hafitoana agnareo, sady hitandrigna ny didin'i Yaveh, mba tsa ho maty agnareo, satria zay ro efa nandidian'ny anahy."36 Ko de nanao anireo raha aby reo ze nandidian'i Yaveh an-dreo tamin'ny alalan'i Mosesy i Arona sy ny zanany lahy.
91Tamin'ny andro fahavalo de nakehin'i Mosesy i Arona sy ny zanany lahy de reo loholon'i Israely. 2Nitarogna tamin'i Arona i nanao hoe: "Mangalà zanak'ômby hatao fagnatitsa nohon'ny ota, de zanak'ondry tsa misy kilema hatao fagnatitsa doroana, de hatolotsa eo alohan'i Yaveh reo.3De agnao mba hitarogna amin'ny vahoakan' Israely ko hanao hoe: 'Mangalà osy lahy hatao fagnatitsa nohon'ny ota de zanak'ômby sy zanak'ondry, samy heritaogna sady tsa misy kilema, ho an'ny fagnatitsa doroana; 4mangalà koa ômby sy ondry lahy ho an'ny fagnati-pihavagnana mba ho sorogna eo alohan'i Yaveh, de fagnatitsa voamifangaro amin'ny diloilo, satria hiboaka aminao androany i Yaveh. " ' 5Ko nitondra anireo aby ze nandidian'i Mosesy ho ao amin'ny tragno-lay fihaognana reo, de nagnatogna ny fiangonan'Israely aby de nitsangagna teo alohan'i Yaveh.6De nitarogna i Mosesy hoe: "Izao ro nandidian'i Yaveh anaoreo mba hatao, mba hahafan'ny voninahiny miseho minareo."7 Nitarogna tamin'i Arona i Mosesy hoe: "mandihiana eo agnilan'ny alitara de atoloro ny fagnatitsa nohon'ny otanao sy ny fagnatitsa doroan, de manaova fagnoregnana ho an'ny tegnanao sy ho an'ny vahoaka, de atoloro ho an'ny vahoaka mba hanaovana fagnoregnana ho an-dreo ny sorogna, araka ze nandidian'i Yaveh. "8Ko nandeha ndriny ny alitara i Arona de namono ny zanak'ômby hatao fagnatitsa nohon'ny ota, ze ho an'ny tegnany. 9Natoron'ny zanaka lahin'i Arona tamin'ny rà, de nandroboka ny ratsan-tagnany tagnatiny zay i sady nametraka anizay eo ambonin'ny tandroky ny alitara; avy eo de nagnisy ny rá teo amin'ny fagnambanin'ny alitara i.10Neko zay aza, nandoro ny sabora, ny voa, de reo sarak'aty teo ambony alitara hatao fagnatitsa nohon'ny ota araka ny nandidian'i Yaveh an'i Mosesy i.11 Ny hena sy ny hoditsa de nodoroany teo ivelan'ny toby.12Novonoan'i Arona ny fagnatitsa doroana, de namen'ny zanany lahy anazy ny ràny, ze nahosony tegny amin'ny lafin'ny alitara aby.13 De namen-dreo anazy isaky ny apahany ny fagnatitsa doroana, miaraka amin'ny lohany, de nandoro anizay teo ambony alitara i. 14Nanasa ny tao agnatiny sy ny tao amin'ny tongony i de nodoroany teo ambony alitra reo.15 Nanolotsa ny soron'ny vahoaka i Arona--osy lahy raika, de nangalaka anizay hatao sorogna nohon'ny otan-dreo namonoany anizay ; nanao sorona zany nohon'ny otany , araka zay nataony tamin'ny osy lahy voalohany . 16 Nampiseho ny fagnatitsa dorana sy nagnome zay araka zay nandidian'i Yaveh izy. 17 Nampiseho ny fagnatitsa voa y; nameno ny tagnany tamin'izay y de nandoro zany teo ambony alitara, miaraka amin'ny fagnatitsa dorana maraaigna.18 Novonoany hany koa ny omby sy ny osy lahy, sorogna ho an'ny fagnati-pivavahana, zay ho an'ny ona .Nomen'ny zanaka lahin'i Arona anazy ny rany, zay namafy teny amin'ny lafin'ny alitara aby.19 Na zany aza, nalan-dreo ny tsaboran'ny omby sy ny osy lahy, ny tsabora zay mandrakotsa ny tao agnatiny, reo voa, ary ny sarak'aty20Nangalaka ny zara zay voarasa reo de nametraka zany teo ambonin'ny tratrany , de nandoro ny sabora teo ambonin'ny alitara i Arona. 21De Arona nagnevaheva reo tratra sy ny feny havanana ho fagnatitsa ahevaheva teo alohan'i Yaveh , araka ny efa nandidian'i Mosesy.22De nanandratsa ny tagnany teo amin'ny vahoaka i Arona de nitso-drano an-dreo; de nidigna avy amin'ny fagnaterana ny fagnatitsa noho ny ota y , ny fagnatitsa dorana , de ny fagnati-pivavahagna .23 Niditsa tao amin'ny tragno-lay fihaonana i Mosesy sy Arona, avy eo de nienga koa reo ko nitso-dr ano ny vahoaka , de niseho tamin'ny ona aby ny voninahitr'i Yaveh.24 Nisy afo nienga avy any amin'i Yaveh ko nandevogna ny fagnatitsa dorana sy ny sabora teo ambony alitara. Rehefa nahita zany ny ona aby, de nihiaka reo de nampihohoka ny tavany.
101adaba sy Abiho , zanaka lahin'i Arona, de samy nangnalaka ny fitondran'afony, nagnisy afo teo amin'izay, de avy eo didin-kazo magnitsa. Avy eo reo nanolotsa afo tsa nikena teo agnatrehan'i Yaveh, ze tsa nandidiana an-dreo mba hatolotsa.2 Ko nisy afo nivoaka teo agnatrehan'i Yaveh de nandevogna an-dreo, de maty teo agnatrehan'i Yaveh eo.3Sy avy eo i Mosesy nitarogna tamin'i Arona hoe: "Izao ro nirisahan'i Yaveh sy efa nitarogna i hoe: 'Hilaza ny fahamasinako amin'ny ze avy mandriny Anahy Aho. Homem-boninahitsa eo agnatrehan'ny vahoaka aby Aho. ' " Tsa nitarogna na ina na ina i Arona.4 Nangaika an'i Misaela sy Elzafana, zanaka lahin'i Oziela rahalahin-drain'i Arona i Mosesy, de nitarogna tamin-dreo hoe: "Mandihiana aty de fero egny ivelan'ny toby tsa ho eo agnatrehan'ny tabernakely ny rahalahinareo."5Ko nagnatogna mariny an-dreo de nitondra an-dreo vona nanao ny akanjo lava maha-pisorogna an-dreo tegny ivelan'ny toby, araka ny efa nolazain'i Mosesy.6 Sy avy eo i Mosesy de nitarogna tamin'i Arona sy Eleazara de Itamara, ny zanany lahy hoe: "Aza avela hisaritaka ny ny volo eo an-dohanareo, de aza rovitina ny akanjonareo, mba tsa ho maty agnareo, sady mba tsa hasiaka amin'ni Fiangonana aby i Yaveh. Fa avilao ny havanareo, ny taranak'Israely aby, mba hisaogna amin'ny ze nodoroan'ny afon'i Yaveh. 7Aoka tsa handeha ivelan'ny fidirana ao amin'ny lay fihaognana agnareo, le tsa zay de ho maty agnareo,satria aminareo ny diloilo fagnosoran'i Yaveh. "Ko nanao araka ny tarognin'i Mosesy reo.8Niresaka tamin'i Arona i Yaveh hoe: 9"Aza misotro divay na raha fisotro mahery, agnao, na ny zanakao lahy ze sisa miaraka aminao, sy efa mandeha agny amin'ny lay fihaognana, mba tsa ho maty agnareo. Ho lalàna maharitsa ho an'ny taranaky ny vahoakanao zay,10 mba hagnavahana ny masina sy ny tsa masina, de ny maloto sy ny madio,11 ko mba hapianatsa ny vahoakan'Israely ny lalàna aby ze nandidian'i Yaveh tamin'ny alalan'i Mosesy agnao. "12Niresaka tamin'i Arona sy Eleazara de i Itamara, zanany lahy sisa tavela i Mosesy hoe: "Alao ny fagnatitsa hoanina ze tavela avy tamireo fagnatitsa natao tamin'ny afo ho an'i Yaveh, de hoano miaraka amin'ny lalivay eo agnilan'ny alitara zay, satria masina indrindra zay.13 Aoka agnareo hihinana anizay ao amy toerana masina, satria anjaranao sy anjaran'ny zanakao lahy tamin'i fagnatitsa vita tamin'ny afo ho an'i Yaveh zay, fa izay ro nandidiany Anahy ho lazaina aminao14Ny tratrany sy ny mihevaheva sy ny feny ze atoro an'i Yaveh, de aoka ho hoaninareo egny amin'ny toerana madio iken'Andriamagnitsa. Agnao sy reo zanako lahy de reo zanako vavy de tokony mihinana ny anjara reo, fa efa nomena ho anjaranao sy anjaran'ny zanakao lahy avy hatamin'ny sorogna ny fagnati-pihanavagnan'ny vahoakan'Israely reo.15 Ny feny ze hatoro sy ny tratrany ze mihevaheva, de tsy maintsy ferin-dreo miaraka amin'ny sabora natao tamin'ny afo, mba hahevaheva eo agnatrehan'i Yaveh. Ho anao sy ny zanakao lahy miaraka aminao tahaka ny anjara mandrakizay reo, araka ny nandidian'i Yaveh . "16Avy eo Mosesy nagnotany momba ny osy natao fanatitsa nohon'ny ota, de nahita fa may zay. ko nasiaka tamin'i Eleazara sy Itamara, zanaka lahin'i Arona sisa tavela i; zaoro nataony hoe: "17 Nahoana agnareo ro tsa nihinana ny fagnatitsa nohon'ny ota tamin'ny faritsa ny tabernakely, fa zay ro masina indrindra, de efa nomen'i Yaveh agnareo mba hagnesorana ny heloky ny fivondrognana zany, mba ho fagnonerana ho an-dreo teo agnatrehany?18 Io, ny ràny de tsa noferina tao agnatin'ny tabernakely, ze tokony hohaninareo tao amin'ny faritsa ny tabernakely, araka ny nandidiako."19Avy eo Arona namaly an'i Mosesy hoe: " Io , androany ro nanaovan-dreo ny fagnatitsa nohon'ny otany sy ny fagnatitsa doroany eo agnatrehan'i Yaveh, de zao raha zao de nitranga taminahy androany . Lehe nihinagna ny fagnatitsa nohon'ny ota aho androany , moa ve nankasitrahana teo imason'i Yaveh zao?"20 Sy efa ren'i Mosesy zao , de afapo i.
111Niresaka tamin'i Mosesy sy Arona i Yaveh , nanao hoe: "2 Mitarògna amin'ny vahoakan'Israely , manao hoe; ' Reto aby ny raha-managn'aina ze azonareo hoanina eo amin'ny biby aby ze eto ambonin'ny tany.3Afaka mihinana ny biby aby ze mivaky kitro sy magnapody ota agnareo.4 Na zao aza , na magnapody ota na mivaky ota aza reo biby sasany, de aoka agnareo tsa hihinana anazy reo, de ny biby tahaka ny rameva, satria magnapody ota i fa tsa mivaky kitro. Noho zao de maloto ho anareo ny rameva.5Ny hyraka ihany koa , satria namerign'ota i fa tsa mivaky kitro, maloto ho anareo ihany koa zao. 6Ny bitro, de maloto ho anareo, satria magnapody ota i , fa tsy mivaky kitro .7 Ny kisoa , neko de mivaky kitro aza , de tsy magnapody ota i , ko maloto ho anareo 8. Aoka agnareo tsa hihinana amin'ny henan-dreo , na hikasika ny fatin-dreo . Maloto ho anareo reo.9Ny biby aby miaigna agnaty ze azonareo hoanina de reo ze managna vombony sy kirany, na ao amin'ny ranomasina na ao amin'ny renirano. 10Fa reo raha managn-aigna aby ze tsa misy vombony sy kirany ao agnaty ranomasina na ao agnaty renirano de tsa azonareo hoanina, ao agnatin'izay ny ze mihietsika ao agnaty rano sy ny mangn'aigna aby ze ao agnaty rano--aoka ho halanareo reo.11Fa aoka hankalaina reo, aoka agnareo tsa hihinana ny henany; de ny fatiny ko tsa hoaninareo sady hoalanareo.12 Ze aby tsa misy vombony sy kirany ao agnaty rano de aoka tsa ho tiànareo.13Reto aby reo vorogna zay tsy maintsy hankalazainareo sy tsa tokony ho haninareo: de ny voromahery, ny voltora14 , ny papango , ny karazana ankoay aby , 15ny karazana goaika aby 16, ny vorondolo sy ny vorondolo magneno, ny voron-drano , de ny karazana ankoay aby .17Aoka agnareo tsa ho tia ny vorondolo kely sy ny vorondolo lihibe , ny manarana hany koa,18 ny vorondolo fotsy sy ny vorondolo sompitra, ny ibisa,19 ny vano, ny karazana vagnobe aby, ny takidara, de ny ramanavy koa.20Ny bibikely managn'elatsa aby ze mandeha amin'ny tongotsa efatsa de fahavetavetana ho anareo.21 Afaka mihinana ny bibikely mitsidigna aby ze mandeha amin'ny tongotsa efatsa agnareo lehe magna-tongotsa ambonin'ny faladiany hitsotiany eo amin'ny tany hiany reo.22 Afaka mihinagna ny karazana valala lihibe, solama, ny valala kely, na ny apanga aby hany koa agnareo.23 Fa reo bibikely mitsidigna aby zay managna tongotsa efatsa de tsy maintsy hankahalainareo.24he mikasika ny fatin'ny raika amindreo agnareo de haloton-dreo biby reo mandrapaharivan'ny andro .25 Na ia na ia mitsipogna ny raika amin'ny fatin-dreo de tsy maintsy manasa ny fitafiany de miegnina maloto mandra-paharivan'ny andro.26Ny biby aby mivaky kitro ze tsa mizara soa na tsa mamadik'ota de maloto ho anareo. Ze mikita anireo de haloto .27 Ze aby mandeha amin'ny tongony amin'ireo biby aby ze mandeha amin'ny tongotsa efatsa, de maloto ho anareo. Na ia na ia mikitika ny fatiny de haloto mandra-paharivan'ny andro.28 Na ia na ia mitsimpogna ny fatiny de tsy maintsy manasa ny fitafian-dreo de maloto mandra-paharivan'ny andro. Reo biby reo de haloto ho anareo.29Lehe ny amin'ny biby ze mandady amin'ny tany de reto aby ny biby ze haloto ho anareo: ny kionkiona, ny voalavo, ny karazana androngo lihibe aby , 30ny katsatsaka, ny anakà, ny androngo, ny androngom-pasika , de ny tagnalahy.31Amin'ireo biby mandady aby, de reo biby ze haloto ho anareo. Na ia na ia mikasika an-dreo sy efa maty reo de haloto mandra-paharivan'ny andro.32 Lehe maty ny sasany amin'ireo ko mitrotraka amin'ny raha, de haloto zao raha zao, na vita tamin'ny hazo, na lamba, na hoditsa, na lamba fisaognana zao. Na ina na ina zay sady na ina na ina apesana anazy, de tsy maintsy aroboka agnaty rano; haloto zay mandra-paharivan'ny andro. De hadio sy avy eo.33 Ny vilagny tanimanga aby ze hitrotrahany biby maloto ao agnaty na eo aminazy, na ina na ina ao agnatin'ny vilagny de haloto, de tsy maintsy potehinareo zay vilagny zay.34Ny hanina aby ze madio sy azo hoanina, kanefa nitrotrahan'ny rano avy hatamin'ny vilagny maloto raika, de haloto. Ze aby mety ho nosotroana tamin'ny vilagny tahaka anizay de haloto.35 Ze aby nitrotrahany ny fatim-biby maloto de haloto, na lafaoro zay na vilagny fandrahoana. Tsy maintsy potehina zay. Maloto zay ko tokony tsa haloto ho anareo.36Ny loharano na famorian-drano hagnangonana ny rano fisotro de hadio hiany lehe misy biby tahaka an'izay mitrotraka ao agnaty. Fa lehe misy ona mikiasika ny fatin'ny biby raika ao agnaty rano, de haloto i.37 Lehe misy apahany amin'ny fatim-biby maloto de mitrotraka eo amboniny voa famboly, de hadio hiany koa reo voa reo. 38Fa lehe tondrahana rano ny voa, de lehe misy apahany amireo faty reo mitrotraka eo amireo, de haloto ho anareo reo39Rehe misy biby azonareo ho hanina maty, de haloto mandra-paharivan'ny andro ny nikasika ny fatiny.40 Na ia na ia mihinana amin'io faty io de tsy maintsy manasa ny fitafiany de haloto mandra-pahaivan'ny andro. Ze mitsipogna ny faty tahakan'izao de hanasa ny fitafiany de haloto mandra-paharivan'ny andro.41Ny biby aby ze mandady amin'ny tany de hankahalaina; aoka tsa hohanina zao. 42Ze mandady amin'ny kibony, de ze mandeha amin'ny tongony efatsa, na ny managna tongotsa be reo biby mikisaka amin'ny tany, reo ro tsy azonareo hoanina, satria hankahalaina reo.43Aoka agnareo tsa handoto ny tegnanareo amin'ny zava- managnaigna mandady aby; aoka tsa handoto ny tegnanareo amin'ireo agnareo, fa haloto amin'ireo agnareo.44 Fa aho ro Yaveh Andriamagnits'anareo.Tokony ho tananareo ho masina ny tegnanareo, noho zao, masina, satria masina Aho. Aoka tsa handoto ny tegnanareo amin'ny karazam-biby aby ze mandady amin'ny tany agnareo. 45Fa Iaho ro Yaveh, ze nitondra anareo niala avy tagny Egypta, mba ho Andriamagnitsareo. Noho zao aoka agnareo ho masina, satria Iaho de masina.46zao ro lalàgna momba reo biby, reo vorogna, reo zava-managnaigna aby ze mihietsika ao agnaty rano, de ny biby aby ze mikisaka amin'ny tany, 47satria tokony hisy fagnavahana eo amin'ny maloto sy ny madio, de eo amin'ny zava-managn'aina ze azo hoanina sy reo zava-managn'aina ze tsa azo hoanina. " '
121Zao ro nataon'i Yaveh tamin'i Mosesy hoe: "2Mirisaha amin'ny vahoakan'Israely, manao hoe: 'Lehe misy apela mananjanaka ko miteraka zazalahy, de haloto mandritsa ny fito andro i, tahaka ny fahalotoany mandritsa ny andro fadimbolany.3 Amin'ny andro faha-valo de aoka hofiraina ny lohatsitsin'ny zazalahy.4Avy eo ny fagnadiovana ny reny avy amin'ny ràny de hitohy mandritsa ny telo amby telopolo andro. Tsa tokony hikitika raha masina hiditsa ao amin'ny faritsan'ny tabernakely mandra-pahatapitsan'ny ny andro fandiovana anazy.5 Fa lehe teraka zazavavy i, de haloto mandritsa ny roa herignandro, tahaka ny mandritsa ny fadimbolany. De haloto mandritsa ny enina amby enimpolo andro ny fagnadiovana ny reny.6Rehefa vita ny andro fagnadiovana anazy, na ho an'ny zanaka lahy na zanaka vavy, de tsy maintsy mitondra ondry heritaogna raika ho fagnatitsa doroana i, de zana-boromahilala roa na domoina mba ho fagnatitsa nohon'ny ota, ho eo amin'ny fidirana ao amin'ny fihaognana, ho eo amin'ny mpisorogna.7Avy eo i de hanolotsa zao eo agnatrehan'i Yaveh de hanao fagnoregnana ho anazy, de ho avy voadio amin'ny fikorignan'ny ràny i. Zao ro lalàna amin'ny apela ze miteraka na zazalahy na zazavavy. 8Lehe tsa afaka manolotsa ondry i, de tsy maintsy mangalaka vorimahilala roa na zana-boromahilala roa, ny raika ho fagnatitsa doroana de ny raika hafa ho fagnatitsa nohon'ny ota, de hanao fagnoregnana ho anazy ny mpisorogna; de hadio i avy eo.
131Niresaka tamin'i Mosesy sy Arona i Yaveh, nanao hoe: 2"Sy efa misy mamontsigna na manako-pery na mifaritsa mangiragna amin'ny hoditsan'ny vatany, ko roso mpamindra an'izay de misy aretin-koditsa ny vatany, de tsy maintsy hoferina agny amin'ny Arona mpisorognabe i, na amin'ny raika amin'ny zanany lahy mpisorogna.3Avy eo ny mpisorogna de hijery ny aretina eo amin'ny hoditsan'ny vatany. Lehe nivadika fotsy volo eo amin'ny faritsan'ny aretina, de lehe hita fa laligna loatsa noho ny eo amin'ny hoditsa fotsiny ny aretina, de lasa areti-mifindra zao. De afaran'ny fijeren'ny mpisorogna anazy, de tsy maintsy magnambara anazy hoe maloto i.4 Lehe fotsifotsy ny mifaritsa mangiragna amin'ny hodiny, de ny pozin'izao de tsa laligna noho ny amin'ny hoditsa, de lehe tsa mivadika fotsy volo amin'ny faritsana, de tsa maintsy atokan'ny mpisorogna monigna mandritsa ny hafitoana ny raika misy aretina.5Amin'ny andro fahafito, de tsy maintsy mijery anazy ny mpisorogna mba hijery lehe tsa miha-ratsy ny aretina lehe ny heviny, de lehe tsa miparitaka amin'ny hoditsa zay. Lehe tsa misy zay, de tsy maintsy mampitoka-monigna anazy mandritsa ny hafitoana na mpisorogna. 6Hijery anazy koa ny mpisorogna amin'ny andro fahafito mba hijery raha miha-soa ny aretina de tsa miparitaka manerana ny hoditsa. Lehe tsa misy zay , de hilaza anazy ho madio ny mpisorogna. Manako-pery zay. Tsy maintsy manasa ny fitafiany i , ko de hadio i.7Fa lehe miparitaka amin'ny hoditsa koa zay fery zay tafaran'ny nam-pisehoany ny tegnany tamin'ny mpisorogna ny amin'ny fahadiovany.8 De tsy maintsy hagneno ny tegnany eo amin'ny mpisorona koa i avy eo. Hijery anazy ny mpisorogna mba hijery raha niparitaka manerana ny hoditsa ny fery. Lehe niparitaka zay, de tsy maintsy magnambara anazy ho maloto ny mpisorogna. Areti-mifindra zay.9Lehe misy areti-koditsa mifindra amin'ny ona , de tsy maintsy ferina agny amin'ny mpisorogna i. 10Hijery anazy ny mpisorogna mba hijery raha misy mamontsina fotsy amin'ny hoditsa, lehe mivadika fotsy ny volo, na lehe misy nofo mangana amin'ny mamontsina.11 Lehe misy , de areti-koditsa mitaiza zay, de tsy maitsy milaza anazy ho maloto ny mpisororogna . Tsy hanokana monina anazy i , satria efa maloto i.12Lehe miparitaka be amin'ny hoditsa ny aretina sady mandrakotsa ny hoditsin'ny ona aby ny aretina hatragny amin'ny tampon-dohany ko zizika amin'ny tongony, lehe vo hitany mpisorogna zay,13 de tsy maintsy hijery anazy ny mpisorogna mba hijery ny raha mandrakotsa ny vatany aby ny aretina. Lehe misy zay, de tsy maintsy mitarogna ny ona misy aretina ho madio ny mpisorogna. Lehe nivadika fotsy aby zay, de madio i. 14Fa lehe misy nofo mangana miboaka eo aminazy, de haloto i.15Tsy maintsy mijery ny nofo mangana ny mpisorogna de mitarogna anazy ho maloto satria maloto ny nofo mangana. Areti-mifindra zay.16 Fa lehe mivadika fotsy ndraika ny nofo mangana, de tsy maintsy mandeha agny amin'ny mpisorogna ny ona . 17Hijery anazy ny mpisorogna mba hijirena raha nivadika fotsy ny nofo. Lehe nivadika zay de hitarogna ny ona ho madio ny mpisorogna.18Lehe misy bay eo amin'ny hoditsy ny ona raika ko sitragna zay,19 de lehe misy mibotsigna na holatsy ny fery, mena fotsy eo amin'ny toerany bay, de tsy maintsy atoro ny mpisorogna zay.20 Hijery anizay ny mpisorogna mba hijery ny raha miha-milentika agnatiny hoditsa zay, sady lehe mivadika fotsy ny volo eo. Lehe izay, de tsy maintsy mitarogna anizay ho maloto ny mpisorogna. Areti-mifindra zay, lehe mitombo eo amin'ny fitoerany ze nisy ny bay zay.21lehe mijery anizay ny mpisorogna ko mahita fa tsa misy volo fotsy eo, sady tsa ao ambanin'ny hoditsa zay fa efa niala, de tsy maintsy hatokan'ny mpisorogna mitoatsa mandritsa ny hafitoana i. 22Lehe miparitaka be amin'ny hoditsa zay, de tsy maintsy milaza anazy hoe maloto ny mpisorogna. Areti-mifindra zay. 23Fa lehe miegnina amin'ny toerany ny holatsy ny fery fa tsa miparitaka, de holatsy ny bay zay,ko tsy maintsy hitarogna anazy hoe madio ny mpisorogna.24Sy efa misy may ny hoditsa sady nanjary somary mena-fotsy nako faritsa fotsy ny nofo mangagna may,25 de hijery anizay ny mpisorogna mba hijery lehe hivadika fotsy ny volo amizay faritsa zay, sady lehe hita fa laligna mihoatsa noho ny teo amin'ny hoditsa zay. Lehe misy zay, de areti-mifindra. de tsy maintsy mitarogna anazy hoe maloto ny mpisorogna. Areti-mifindra zay.26Fa lehe mijery anizay ny mpisorogna ko mahita fa tsa misy volo fotsy amin'ny faritsa, sady tsa ao ambanin'ny hoditsa fa matroka, de tsy maintsy hatokan'ny mpisorogna monigna mandritsa ny hafitoana i. 27Sy avy eo de tsy maintsy mijery anazy ny mpisorogna amin'ny andro fahafito. Lehe nipsritaka be tamin'ny hoditsa zay, de tsy maintsy milaza anazy hoe maloto ny mpisorogna, Areti-mifindra zay.28 Lehe miegnina eo amin'ny toerany ny faritsa sady tsa miparitaka amin'ny hoditsa fa matroka, de famotsignana avy amin'ny may zay, de ny mpisorogna de tsy maintsy mitarogna anazy hoe madio, fa raha ny holatsy ny may.29Lehe misy lihilahy na apela misy areti-mifindra eo amin'ny loha na saoka,30 de tsy maintsy mijery ny ona amin'ny areti-mifindra ny mpisorogna mba hijery raha miseho laligna loatsa mihoatsa ny eo amin'ny hoditsa zay, de lehe misy mavomavo, de tsy maintsy mitarogna anazy hoe maloto ny mpisorogna. Hihidy zay, areti-mifindra eo amin'ny loha na eo amin'ny saoka zay.31Lehe mijery ny aretin'ny hihidy ny mpisorogna ko mahita fa tsa eo ambanin'ny hoditsa zay, sady lehe tsa misy volo mainty amizay, de hapitoka-monigna ny ona misy aretin'ny hihidy ny mpisorogna mandritsa ny hafitoana.32Amin'ny andro fahafito de hojery ny aretina ny mpisorogna mba hijery raha niparitaka zay. de lehe tahaka ny hatevin'ny hoditsa fotsiny ny fahitana ny aretina,33 de tsy maintsy solona i, fa ny faritsa misy ny aretina de tsa tokony ho soloana, de ny mpisorogna de tsy maintsy hapitoka-monigna ny ona amin'ny aretin'ny hihidy mandritsa ny hafitoana.34Amin'ny andro fahafito de hijery ny aretina ny mpisorogna mba hijery raha niegnina niparitaka tamin'ny hoditsa zay. Lehe hita ho tsa matevigna noho ny hoditsa zay, de tsy maintsy hitarogna anazy ho madio ny mpisorogna. tsy maintsy manasa ny akanjony ny ona, de hadio i sy ahateo.35Fa lehe miha-miparitaka amin'ny hoditsa ny aretin'ny hihidy tafaran'ny nitarognany mpiosorogna hoe madio i, 36de tsy maintsy mijery anazy ndraika ny mpisorogna. Lehe miparitaka amin'ny hoditsa ny aretina, de tsa mila mitadia volo mavomavo koa ny mpiosorogna. Maloto ny ona.37 Fa lehe amin'ny afijerin'ny mpisorogna de efa niegnina niparitaka ny aretin'ny hihidy de nisy volo mainty nitsiry teo amin'ny faritsa, sy avy eo de sitragna ny aretina. Madio i, de tsy maintsy mitarogna anazy ho madio ny mpisorogna.38Lehe misy lihilay na apela misy faritsa fotsy amin'ny hoditsa, 39de tsy maintsy mijery ny ona ny mpisorogna mba hijery raha matroka ny faritsa, ze very vaky teo amin'ny hoditsa fotsiny hiany. de madio i.40Lehe mihitsagna amin'ny lohany ny volon'ny ona raika, de sola i, fa madio.41 Lehe mitrotraka hateo amin'ny tapon-dohany ny volony, de sola ny tapon-kandriny, de madio i.42Fa lehe misy ratsa mena-fotsy eo amin'ny lohany sola na tapokn-kandriny, de areti-mifindra zayvaky aty ivelany zay.43 Sy ahateo de tsy maintsy mijery anazy ny mpisorogna mba hijery raha mena-fotsy ny faritsa mivoto ny aretina eo amin'ny lohany sola na ny tapo-kandriny, tahaka ny endriky ny areti-mifindra amin'ny hoditsa. 44Lehizay, de misy areti-mifindra sy maloto i. Tsy maintsy mitarogna anazy hoe maloto ny mpisorogna noho ny aretina eo amin'ny lohany.45Ny ona ze misy areti-mifindra de tsy maintsy manao akanjo rovitsa, tsy maintsy asarakorako ny volony, de tsy maintsy manarogna ny tarehiny zizika eo amin'ny orony i sady mangaikaika hoe: 'Maloto, maloto .' 46Mandritsa ny andro ze isiany areti-mindra aminazy de haloto i. Satria maloto ny aretina ze mety mifindra i. De tsy maintsy mipetra-drery. Tsy maintsy mipetraka agny ivelan'ny toby i.47Ny akanjo ze nifindran'ny maty fotsy, na volon'ondry zay na lamban-drongony fotsy majinika,48 na raha vita tamin'ny tegnina na nozairina tamin'ny volon'ondry na rongony fotsy majinika na hoditsa na raha vita tamin'ny hoditsa - 49 raha misy fifindrana manopy maintso na manopy mena amin'ny akanjo, ny hoditsa ny tegnona, na fitaovana fanjairana, na raha vita tamin'ny hoditsa, de maty fotsy miparitaka za; tsy maintsy atoro amin'ny mpisoroogna zay.50Tsy maintsy mijery ny maty fotsy ny mpisorogna; tsy maintsy hatokany mandritsa ny hafitoana ny raha aby ze maty fotsy.51 Tsy maintsy mijery ndraika ny maty fotsy i amin'ny andro fahafito. Lehe niparitaka tamin'ny akanjo na raha vita tamin'ny tegnona, nozaairina tamin'ny volon'ondry na fitaovana tamin'ny rongony fotsy majinika, na hoditsa na raha ze napiasaina hoditsa, de maty fotsy mapidi-doza zay, de maloto zay raha zay.52 Tsy maintsy doroana ny akanjony,na raha vita tamin'ny tegnona, nozaraina tamin'ny volon'ondry na fitaovana rongony fotsy, na hoditsa na raha vita tamin'ny rongony fotsy, raha kely ze hita tamin'ny maty fotsy mapidi-doza i, fa mety hitondra aretina zay. Tsy maintsy doroana tanteraka zay.53Lehe mijery ny singa ny mpisorogna sady mahita fa tsa niparitaka tamin'ny akanjo na ny raha notenonina na nozairina tamin'ny volon'ondry na rongony, fitaovana hoditsa ny maty fotsy, de hibeko an-dreo i mba hanasa ny raha ze nahitana ny maty fotsy, 54de tsy maintsy hatoka-monigna mandritsa ny hafitoana zay.55 Sy avy eo de hijery ny singa ny mpisorogna sy efa voasasa ny raha misy maty fotsy, Nako de tsa niova ny lokon'ny maty fotsy, de tsa niparitaka zay, de malooto foagna zay. Tsy maintsy doroanareo ny singa, na taia na taia ro nifindran'ny maty fotsy.56Lehe mijery ny singa ny mpisorogna, sady lehe matromatroka ny maty fotsy sy efa voasasa, de tsy maintsy mandriatsa ny faritsa maloto eo amin'ny akanjo na eo amin'ny rongony fotsy, na eo amin'ny tegnona na fitaovana fanjairana i.57 Lehe vona miboaka amin'ny akanjo hatragny ny maty fotsy, na amin'ny tegnona na amin'ny fitaovana fanjairana, na amin'ny raha aby nto tamin'ny rongony fotsy, de miparitaka Zay. Tsy maintsy mandoro ny raha aby ze nisy ny maty fotsy agnareo.58 Ny lamba na raha vita tamin'ny tegnona na nozairina tamin'ny volon'ondry na raha vita tamin'ny rngony fotsy, na hoditsa na raha vita tamin'ny hoditsa--- lehe manasa agnareo ko miala ny maty fotsy, de tsy maintsy sasàna fagnindroany ny raha, de hadio zay.59Izay ro lalàna momba ny maty fotsy amin'ny akanjo volon'ondry na rongony fotsy majinika, na raha notenognina na nozairina tamin'ny volon'ondry na rongony fotsy majinika na hoditsa na raha vita tamin'ny hoditsa, mba hafahanareo milaza na madio zay na maloto
141Yaveh nitarogna tamin'i Mosesy, nanao hoe:2 "Izao ro lalàna ho an'ny boka amin'ny andro fagnadiovana anazy. Tsy maintsy ferina agny amin'ny mpisorogna i.3Hienga ny toby ny mpisorogna ko hijery ny ona mba hahafantarana azo sitragnina ny aretin-koditsa.4 Sy avy eo de hibeko ny mpisorogna fa ny fahadiovana de tsy maintsy mitondra vorogna velogna roa sdy madio, hazo sedera, kofehy jaky, de hysopa.5 Hibeko anazy mba hamono ny raika amin'ny vorogna eo amin'ny rano nalaina tamin'ny rano mandeha ze ao agnaty tavy tanimanga ny mpisorogna.6Hangalaka ny vorogna velogna sy ny hazo sedera, de ny kofehy jaky sy ny hysopa avy eo ny mpisorogna, de hapitsoboka anireo raha reo, hatramin'ny vorogna velogna, ao amin'ny ràn'ny vorogna ze novonoana tamin'ny tao amin'ny rano nalaina tamin'ny rano mandeha.7 Sy avy eo de hafafin'ny mpisorogna impito amin'ny ona hodiovina amin'ny aretina zay rano zay, de sy avy eo de hitarogn anazy hoe madio ny mpisorogna. sy avy eo koa de hagnafaka ny vorogna velogna ho agny amin'ny saha malalaka ny mpisorogna.8Ny ona voadio de hanasa ny fitafiany, hagnaratsa ny volony aby, sady hampandro ny tegnany ao agnaty rano, ko de hadio i. Afaran'izay de tsy maintsy hiditsa ao amin'ny toby i, kanefa hiegnina eo ivelan'ny lainy mandritsa hafitoana. 9Amin'ny andro fahafito de tsy maintsy hagnaratsa ny volom-bavany sy ny volo-masony hiany koa. Tsy maintsy magnaratsa ny volony aby i, sady tsy maintsy manasa ny fitafiany sy mampandro ny tegnany ao agnaty rano: ko de hadio i.10Amin'ny andro fahavalo de tsy maintsy hangalaka ny zanak'ondry lahy tsa misy kilema roa i, zanak'ondry vavy raika heritaogna tsa misy kilema, sy koba soa toto telo ampahafaolon'ny efaha nafangaro tamin'ny diloilo hatao fagnatitsa hoanina, de diloilo ray loga. 11Ny mpisorogna ze magnadio anazy de hampitsangagna ny ona hodiovina, miaraka amin'ny raha reo, eo alohan'i Yaveh eo amin'ny fidirana mandeha ao tragno lay fihaognana.12hangalaka raika amin'ny zanak'ondry lahy hatolotsa anizay hatao fagnatitsa nohon'ny heloka, miaraka amin'ny longan-diloilo ny mpisorogna; hagnevaheva ny fagnatitsa ahevaheva eo agnatrehan'i Yaveh i. 13Tsy maintsy hamono ny ondry lahy eo amin'ny toerana ze famonoan-dreo fagnatitsa nohon'ny ota sy fagnatitsa doroana i, ao amin'ny faritsy ny tabernakely, fa an'ny mpisorogna ny fagnatitsa nohon'ny ota, tahaka anizay koa ny fagnatitsa nohon'ny heloka, satria zay ro masina indrindra.14Hangalaka amin'ny ràn'ny fagnatitsa nohon'ny heloka ko hametraka anizay eo an-tendron-tsofigna havagnan'ny ona ze hodiovina ny, eo amin'ny ankihiben-tongony havagnana ny mpisorogna.15 De hangalaka diloilo hatamin'ny loga ny mpisorogna ko handraraka anizay eo amin'ny felan-tagnany havia. De hangalaka ny loga ny mpisorogna ko handraraka anizay eo amin'ny felan-tagnany havia,16 sady hanjoboka ny ratsan-tagnany havagnana ao agnatin'ny diloilo eo amin'ny tagnany havia, de hamafy impito avy amin'ny diloilo amin'ny ratsan--tagnany eo alohan'i Yaveh.17De hagnosotsa ny ambin'ny diloilo teo amin'ny tagnany eo amin'ny tendron-tsofigna havagnan'ny ona hodiovina, ny akihiben-tagnany ankavagnana, de ny ankihiben-tongony an-kavagnana ny mpisorogna. Tsy maintsy mametraka anizay diloilo zay eo ambanin'ny rà avy hatamin'ny fagnatitsa nohon'ny heloka i.18 De ny amin'ny ambin'ny diloilo ze eo antagnan'ny mpisorogna, de hagnosotsa anizay eo amin'ny lohany ona hodiovina i, de ny mpisorogna de hanao fagnavotana ho anazy eo agnatrehan'i Yaveh.19avy eo de hanolotsa fagnatitsa nohon'ny ota sy hanao fagnavotana ho anazy ze ho diovina nohon'ny fahalotoany mpisorogna, de afaranizay de hamono ny fagnatitsa doroana i.20 De sy avy eo de hanolotsa ny fagnatitsa doroana sy fagnatitsa hohanina eo ambony alitara ny mpisorogna. hanao fagnavotana ho an'ny ona ny mpisorogna, de hadio i.21Fa zao, lehe mahantra sy tsa managna anireo sorogna reo ny ona, de tokony hangalaka zanak'ondry lahy raika hatao fagnatitsa nohon'ny heloka mba haevaheva i, mba hanaovana fagnavotana ho an'ny tegnany, sy koba soa toto raika am-pahafolon'ny efaha nafangaro diloilo hatao fagnatitsa hoanina, de diloilo ry logna,22 miaraka amin'ny domoigna roa na zana-borimailala roa, araka ny tratrany; vorogna raika hatao fagnatitsa nohon'ny ota de ny hafa hatao fagnatitsa doroana. Amin'ny andro fahavalo de tsy maintsy mitondra anireo ho an'ny fagnadiovana 23anazy eo amin'ny mpisorogna i, eo amin'ny fidirana mandeha ao amin'ny tragno lay fihaognana, eo agnatrehan'i Yaveh.24hangalaka zanak'ondry hatao fagnatitsa ny mpisorogna, sady halainy miaraka amizay ny menak'oliva ray loga, de hanadratra anizay ambony ho fanehoana an-dreo amin'ny Yaveh i.25 Hamono ny zanak'ondry ho amin'ny fanatitsa nohon'ny heloka ko hagnisy anizay eo amin'ny tendro-tsofigna havagnana ho diovina, eo amin'ny ankihiben-tagnany ankavagnana, de eo amin'ny ankihiben-tongony an-kavagnana.26Sy avy eo de handraraka amin'ny diloilo eo am-pelatagnany an-kavia ny mpisorogna, 27 de hamafy im-pito amin'ny ratsan-tagnany an-kavagnana amin'ny diloilo ze eo amin'ny tagnany an-kavia eo agnatrehan'i Yaveh i28De hagnisy amin'ny diloilo ze eo amin'ny tagnany ny tendron-tsofigna an-kavagnana ny hodiovina ny mpisorogna, ny an-kihibentagnany havagnana, sy ny ankihiben-tongony havagnana, eo amin'ny faritsa nasiany ny ràn'ny fagnatitsa nohon'ny heloka hiany.29 Hasiany ny ambin'ny diloilo ze eo amin'ny tagnany ny lohan'ny hodiovina, mba hanaovana fagnavotana ho an-dreo eo agnatrehan'i Yaveh.30Tsy maintsy manolotsa raika amin'ny domoigna na ny zana-boromahilala, araka ze izy--31 raika fagnatitsa nohon'ny ota de ny raika fagnatitsa doroana, miaraka amin'ny fagnatitsa voa. Sy avy eo de hanao fagnavotana ho an'ny ho diovina eo agnatrehan'i Yaveh ny mpisorogna.32 Izay ro lalagna ho an'ny ona ze misy areti-koditsa mifindra, ze tsa mahatakatsa ny fagnatitsa mahazatsa ho an'ny fagnadiovana anazy.33Nitarogna tamin'i Mosesy sy tamin'i Arona i Yaveh, nanao hoe:34 "Lehe avy amin'ny tany Kanana ze nameko ho fanagnanareo agnareo, sady lehe magnisy maty fotsy ze miparitaka ao amin'ny tragno ao amin'ny tany ze fanagnanareo Aho,35 de tsy maintsy avy mapilaza ny mpisorogna ze tompon'ny tragno. Aoka i hanao hoe: "deko misy raha tahaka ny maty fotsy ao andragnoko.'36Avy eo de handidy an-dreo ny mpisorogna mba hagnafoagnan-dreo ny tragno mialohan'ny hidirany ao hijery ny maty fotsy, mba tsa hisy na ina na ina ho voaloto ao amin'ny tragno. Afaranizay de tsy maintsy hiditsa ao mba hijery ny tragno ny mpisorogn a. 37Tsy maintsy mijery ny maty fotsy i lehe ny amin'ny rindrin'ny tragno zay, sady hijery lehe manopy maintso na manompy mena ny filitehany eo amin'ny rindrin'ny tragno. 38Lehe misy maty fotsy ny tragno, de hienga ny mpisorogna ko hagnidy ny varavarany tragno mandritsa ny hafitoana.39De hipody ndraika ny mpisorogna amin'ny andro fahafito ko hijery anizay mba hamatarana lehe niparitaka amin'ny rindrin'ny tragno ny maty fotsy.40 Lehe izay, de hibeko ny amin'ny hagnalan-dreo ny vato ze nahitana ny maty fotsy ny mpisorogna ko hanipy anireo agny amin'ny toerana maloto ivelan'ny tanàna.41Hapikikisany ny rindrigna ny tragno, de tsy maintsy harian-dreo agny ivelan'ny tanàna ny kikiny ze mamindra de hariany agny amin'ny toerana maloto zay.42 Tsy maintsy mangalaka vato hafa reo sady mametraka ny amin'ny toerany vato ze nalainy, de tsy maintsy mampiasa tanimanga vaovao reo mba handalorana ny tragno.43Lehe mipody ndraika ny maty fotsy ko mamariparitsa ao amin'ny tragno ze vo avy nisy vato nalaina sy rindrigna vo avy nokikisana sady avy napody nolalorana, 44de tsy maintsy miditsa ao ny mpisorogna ko mijery ny tragno mba hijery raha niparitaka ao amin'ny tragno ny maty fotsy. Lehe izay, de maty fotsy mampidi-doza zay, de ny tragno de maloto.45Tsy maintsy arodagna ny trango. Ny vato, hazo, de ny lalotsa aby ao amin'ny tragno de tsy maintsy ferina hariana agny amin'ny toerana maloto agny ivelan'ny toerana maloto agny ivelan'ny tanàna. 46Akoatsan'izay, na ia na ia miditsa ao amin'ny tragno mandritsa ny fotoagna hikatognany de haloto mandra-paharivan'ny andro. 47Ze natory tao amin'ny tragno de tsy maintsy manasa ny fitafiany, de ze nihinana tao amin'ny tragno de tsy maintsy manasa ny fitafiany.48Lehe miditsa ao amin'ny tragno ny mpisorogna ko mijery anizay mba hahafatarana lehe efa niparitaka manerana ny tragno ny maty fotsy tafaran'ny nandoroana ny tragno, sady, lehe niala ny maty fotsy, de hilaza i fa madio ny tragno.49Sy avy eo de hangalaka vorogna roa, sy hazo sedera, sy kofehy jaky de hysopa mba hagnadiovana ny tragno ny mpisorogna.50 Ho vonoany eo amin'ny rano nalaina tamin'ny rano mandeha ao agnaty siny tanimanga ny raika amin'ny vorogna.51 Hangalaka ny hazo sedera, ny hysopa, ny kofehy jaky, de ny vorogna velogna i, Ko hanjomboka anizay ao amin'ny ràn'ny vorogna novonoana, ao agnaty rano nalaina tamin'ny rano mandeha, sady hamafy anizay im-pito ao amin'ny tragno.52Hagnadio ny tragno amin'ny ràn'ny vorogna sy ny rano nalaina tegny amin'ny rano mandeha i, miaraka amin'ny vorogna velogna, ny hazo sedera, ny hysopa, de ny kofehy jaky.53 Kanefa hamela ny vorogna velogna hienga ny tanàna ho agny amin'ny saha midadasika i. Amizay fomba zay ro tsy maintsy hanaovany fagnavotana ho an'ny tragno, ko de hadio zay.54Izay ro lalàna ho an'ny karazana areti-koditsa mifindra aby sy ny raha ze miteraka aretina tahaka anizay, sy ho an'ny hidihidy,55 ny amin'ny maty fotsy amin'ny fitafiana sy amin'ny tragno, 56ny amin'ny mamontsigna, ny amin'ny mana-pery, de ny amin'ny mifaritsa fotsy mangiragna, 57mba hahafatarana lehe misy amireo tranga reo ro maloto na madio. Izay ro lalàna ho an'ny aretin-koditsa mifindra sy maty fotsy. "
151Niresaka tamin'i Mosesy sy Arona i Yaveh, nanao hoe:2 "Mirisaha amin'ny vahoakan'Israely de tarogno reo hoe: ' Lehe misy lihilahy mamoaka tsiranoka misy otrikaretina hatamin'ny vatany, de maloto i. 3Ny fahalotoany de vokatsizay tsiranoka zay. Na mitsika ny tsiranoka aminazy na tsa mitsika, de maloto zay.4Ny fandreny aby handreny de haloto, de ny raha aby ze hipitrahany de maloto. 5Na ia na ia mikasika ny fandreny de tsy maintsy manasa ny akanjony sy mandro amin'ny rano, de haloto mandra-paharivan'ny andro.6Ze aby mitoatsa amin'ny raha ze nipitrahany lihilahy mitsika tsiranoka misy aretina, zay ona zay de tokony hanasa ny akanjony sy mandro amin'ny rano, de haloto mandra-paharivany andro i. 7Ze aby mikiasika ny vatan'ny mitsika tsiranoka misy otrik'aretina de tsy maintsy manasa ny akanjony sy mandro amin'ny rano, de haloto mandra-paharivany andro.8Lehe mandrora amin'ny ona ze madio ny ona ze mitsika tsiranoka tahaka anizay, de tsy maintsy manasa ny akanjony zay ona zay sady mandro i. 9Ny lasely aby ze itingenany mitsika de haloto.10Na ia na ia mikasika ny raha ze tao ambanin'ny zay ona zay de haloto mandra-paharivan'ny andro, de ze mitondra anireo raha reo de tsy maintsy manasa ny akanjony sy mandro amin'ny rano; haloto mandra-paharivan'ny andro i.11 Na ia na ia mikasika ny tsiranoka tahaka anizay kanefa tsa nanasa ny tagnany mialoha ao agnaty rano, de tsy maintsy manasa ny akanjony sy mandro amin'ny rano ny ona voakasika, de haloto mandra-paharivan'ny andro i. 12Ny vilagny tany aby ze nokasihany mamoaka tsiranoka tahaka anizay de tsy maintsy vakiana, de ny vata hazo aby de tsy maintsy sasana amin'ny rano.13Sy efa sitragna amin'ny fitsihany i ze mitsika, de tsy maintsy magnisa fito andro amin'ny fagnadiovana anazy i; sy avy eo hanasa ny akanjony i sady hapandro ny vatany amin'ny rano mandeha. De hadio i. 14Amin'ny andro fahavalo de tsy maintsy mangalaka vorohimahilala roa na zana-boromailala roa i de magnatogna eo agnatrehan'i Yaveh eo amin'ny fidirana ao amin'ny lay fihaognana; eo i ro hanolotsa ny vorogna ho an'ny mpisorogna.15 Tsy maintsy manolotsa anireo ny mpisorogna, ny raika fagnatitsa nohon'ny fahotana de ny raika hafa fagnatitsa doroana, de tsy maintsy manao fagnavotana ho anazy eo agnatrehan'Yaveh tratsany fitsihany i.16Lehe misy lihilahy mamoaka tsirin'aina, de tsy maintsy manasa ny vatany manontolo amin'ny rano i; haloto mandra-paharivany andro i.17 Ny fitafiana sy hoditsa aby ze misy tsirin'aina de tsy maintsy sasana amin'ny rano; haloto mandra-paharivan'ny andro zay. 18Lehe miara matory ny lihilahy sy ny apela de misy fandifasana tsirinaina ao amin-drakiala vavy, de tsy maintsy mandro amin'ny rano i roa; haloto mandra-paharivan'ny andro reo.19Lehe ny fadim-bolagna ny apela raika, de hitohy mandritsy ny fito andro ny fahalotoany , de na ia na ia mikasika anazy de haloto mandra-paharivany andro. 20Ny raha aby ze hatoriany mandritsa ny fotoagnany de haloto; ny raha aby ze hipitrahany de haloto hiany koa.21Na ia na ia mikasika ny fandreny de tsy maintsy manasa ny akanjony sy mandro amin'ny rano; zay ona zay de haloto mandra-paharivany andro. 22Na ia na ia mikasika ny raha aby ze hipitrahany de tsy maintsy manasa ny akanjony sy mandro amin'ny rano; zay ona zay de haloto mandra-paharivany andro.23 Na amin'ny fandreny zay na amin'ny raha aby ze hipitrahany, lehe mikasika anizay i, de haloto mandra-paharivany andro zay ona zay.24Lehe miara matory amin'ny lihilahy, de lehe mikiasika an-dralihilahy ny tsiranoka ny maloto hataminazy, de haloto mandritsy ny fito andro i. Ny fandrena aby ze hatoriany de haloto.25Lehe misy apela mamoaka rà mandritsy ny andro maro ze tsa amin'ny fotoagnan'ny fadimbolany, na raha mamoaka tsiranoka ivelan'ny fotoagnan'ny fadimbolany i, de ho tahaka ny hoe amin'ny andron'ny fadimbolany i, mandritsa ny andro aby hitsihany falotoany. Maloto i.26 Ny fandrena aby ze handreny mandritsa ny fandihianany ràny de ho tahaka ny fandrena ze hatoriany mandritsa ny fadimbolany hiany aminazy, de ny raha aby ze hipitrahany de haloto, tahaka ny fahalotoany fadimbolany,27 Na ia na ia mikasika anireo raha reo de haloto; tsy maintsy manasa ny akanjony sy mandro amin'ny rano i, de haloto mandra-paharivany andro i.28Fa lehe voadio amin'ny fitsihany i, de hagnisa fito andro ho anazy, de afaran'izay de hadio i.29 Amin'ny andro vahavalo de hangalaka vorimahalala roa na zanam-boromahilala roa i ho anazy sady hitondra anireo agny amin'ny mpisorogna eo amin'ny fidirana ao amin'ny lay fihaognana. 30 Ny mpisorogna de hanolotsa vorogna raika hatao fagnatitsa nohon'ny ota de ny raika hafa hatao fagnatitsa doroana, de hanao fagnavotana ho an-dreo eo agnatrehan'i Yaveh i nohon'ny fitsihan'ny rà malotony.31Izay ro fomba tokony hagnasarahanao ny vahoakan'Israely amin'ny fahalotoan-dreo, ko tsa ho maty nohon'ny fahalotoany reo, amin'ny fandottoana ny tabernakely, ze hitoerako eo amin-dreo.32Ireo aby ny didy amam-pitsipika ho an'ize mamoaka tsiranoka, ho an'ny lihilahy aby ze mamoaka ny tsirinainy sy mandoto ny tegnany,33 ho an'ny apela ze ao agnaty fadim-bolagna, ho an'ny ze mamoaka tsiranoka aby, na lahy na vavy, de ho an'ny lihilahy aby ze mira-matory amin'ny apela maloto. ' "
161Niresaka tamin'i mosesy i Yaveh --zay de tafarany nahafatesany zanak'i Arona roa lahy, sy efa nandeha nandriny an'i Yaveh reo de maty sy avy eo. 2Zao ro nataon'i Yaveh tamin'i Mosesy hoe: " Mirisaha amin'i Arona rahalahinao de tarogno i mba tsa ho avy amin'ny fotoanga aby agny amin'ny fitoerana masina indrindra agnaty lamba, eo alohany sarom-pagnavotana ze eo amin'ny fiara. Lehe manao anizay i, de ho maty, satria miboaka eo amin'ny sarom-pagnavotana Aho.3Ko izao ro fomba tokony hiavian'i Arona ao amin'ny toerana masina indrindra. Aoka i hiditsa miaraka amin'ny vatots'ômby lahy hatao fagnatitsa nohon'ny ota, de ondry lahy hatao fagnatitsa doroana.4 Tsy maintsy manao akanjo lava masina vita amin'ny lamba rongony fotsy i, de tsy maintsy manao atin'akanjo vita amin'ny rongony fotsy sy hamama rongony fotsy sady tsy maintsy manao fehikibo rognony fotsy sy hamama rongony fotsy. Ireo ro fitafiana masina. Tsy maintsy mapandro ny tegnany amin'ny rano i de sy avy eo mitafy ny akanjo reo.5 Tsy maintsy mangalaka osy lahy roa avy amin'ny fivodrognan'ny vahoakan'nIsraely i hatao fagnatitsa nohon'ny ota de ny ondry lahy raika hatao fagnatitsa doroana.6Sy avy eo i Arona de mba hanolotsa ny ômby lahy hatao fagnatitsa nohon'ny ota, zay ho an'ny tegnany sy ny fianakaviany.7 Sy avy eo de hangalaka ny osy lahy roa i sady hametraka anireo eo agnatrehan'i Yaveh eo amin'ny fidirana ao amin'ny lay fihaognana.8Sy avy eo i Arona de tsy maintsy miloka anireo osy roa, loka raika ho an'i Yaveh, de ny loka raika hafa ho an'i azazela.9 Tsy maintsy manolotsa ny osy eo amin'ny nigitrahany loka ho an'i Yaveh i Arona sy avy eo, sady manolotsa anizay ho fagnatitsa nohon'ny ota.10 Fa ny osy ze nigitrahany loka ho an'ny azazela de tsy maintsy ferina velogna eo agnatrehan'i Yaveh, mba hanaovana fagnavotana amin'ny fandifasana anazy tahaka an'i azazela mandeha agny agn'efitsa.11Sy avy eo i Arona de tsy maintsy manolotsa ny vatots'omby lahy ho an'ny fagnatitsa nohon'ny ota, zay ho an'ny tegnany. Tsy maintsy manao fagnavotana ho an'ny tegnany sy ho an'ny fianakaviany i, ko tsy maintsy mamono ny vatots'omby lahy hatao fagnatitsa nohon'ny ota ho an'ny tegnany i.12Tsy maintsy mangalaka fitondran'afo feno vain'afo hategny amin'ny alitara eo agnatrehan'i Yaveh i Arona, miaraka amin'ny diti-kazo magnitsa majinika ndraika ny tagnana, sady mitondra ny raha reo ao agnatiny efitsa lamba.13 Ao i ro tsy maintsy mametraka ny ditik'azo hatao agnaty afo eo agnatrehan'i Yaveh mba hanarognana ny rakotsa fanaova-pagnavotana eo ambonin'ny didim-pagnikena ny rahogna hatamin'ny diti-kazo. Tsy maintsy manao anizay i mba tsa ho maty.14Avy eo de tsy maintsy mangalaka amin'ny ràn'ny vantitr'omby lahy i ko hamafy an'izay amin'ny tagnany eo anoloan'ny rakotra fanaovam-pagnavotana. Tsy maintsy mamafy ny sasany amin'ny rà amin'ny ratsan- tanany im-pito eo anatrehan'ny rakotra fanaovam-panavotana i.15De hamono ny osy lahy hatao fagnatitsa tratsan'ny ota ze ho an'ny vahoaka sady hitondra ny ràny ho ao agnatiny efitsa lamba i. Tsy maintsy manao tahaka ny efa nataony tamin'ny rà ro ataony amin'ny ràn'ny vatots'omby lahy: tsy maintsy mamafy anizay eo amin'ny rakotsa fanaovam-pagnavotana i de avy eo alohan'ny rakotsa fanaovam-pagnavotana. 16Tsy maintsy manao fagnavotana ho an'ny toerana masina i nohon'ny asa maloton'ny vahoakan'Israely, sy nohon'ny fikomian-dreo sy ny fahotany aby. Tsy maintsy manao anizay ho an'ny lay fihaognana koa i, ze hitoeran,i Yaveh eo amin-dreo, amin'ny fagnatrehan'ny asa maloton-dreo.17Tsa misy tokony ho ao amin'ny lay fihaognana sy efa miditsa ao amizay mba hanao fagnavotana ao amin'ny toerana masina indrindra ho an'i Arona, de mandra-pahavitany ny fagnavotana ho an'ny tegnany sy ho an'ny fianakaviany, de ho an'i fivondrognan'Israely aby. 18Tsy maintsy mienga eo amin'ny alitara ze eo agnatrehan'i Yaveh i sady manao fagnavotana ho an'izay, de tsy maintsy mangalaka amin'ny ràn'ny vatots'ômby lahy sy ny amin'ny ràn'ny osy lahy i de mametraka anizay magnodidigna ny tandroky ny alitara aby. 19Tsy maintsy mamafy ny ampahany amin'ny rà eo amizay amin'ny tagnany im-pito i mba hagnadiovana anizay sy hanokagnana anizay ho an'i Yaveh, lavitsa ny asa maloton'ny vahoakan'Israely.20Sy efa vitany ny fagnavotana an'ny toerana masina indrindra, ny lay fihaognana, sy ny alitara, de tsy maintsy manolotsa ny osy lahy velogna i.21 Tsy maintsy mametraka ny tagnany eo an-dohany osy lahy velogna i sady miaiky ny faharatsiana abin'ny vahoakan'Israely, ny fikomian'ny aby, sy ny fahotany aby eo aminazy. Sy avy eo i de tsy maintsy mametraka anizay ota zay eo andohan'ny osy lahy velogna sady mandefa ny osy lahy ho ferin'ny lihilahy ze vonona hitarika ny osy ho agny agn'efitsa .22 Tsy maintsy ferin'ny osy lahy mandeha agny agn'efitsa ny faharatsian'ny vahoaka aby. Agny agn'efitsa agny, de tsy maintsy hamela ny osy ny lihilahy.23Siateo de tsy maintsy nipody agny amin'ny fihaognana i Arona de nagnala ny reo akanjo rongony fotsy ze nanaovany talohan'ny nandihianany ho ao amin'itoerana masina indrindra, de tsimaintsy mamela ny akanjo reo ao i. 24Tsy maintsy mampandro ny vatany amin'ny rano agny amitoerana masina i,de manao akanjo tsotra; avy eo de tsy maintsy mienga i de manolotsa ny fagnatitsany doroana sy ny fagnatitsa doroana ho an'ny vahoaka, de amizay fomba zay de hanao fagnavotana ho an'ny tegnany sy ho an'ny vahoaka.25Tsy maitsy mandoro ny sabora amin'ny fagnatitsa nohon'ny ota eo amin'ny alitara i.26 Ze nandefa ny azazela de tsy maintsy manasa ny akanjony sy mandro amin'ny rano; afaran'izay, de mipody agny amin'ny toby i.27Ny vantots'omby lahy ho an'ny fagnatitsa nohon'ny ota sy ny osy lahy ho an'ny fagnatitsa nohon'ny ota, ze no ferina nanaovana fagnavotana tagny amin'ny toerana masina ny ràny, de tsy maintsy ferina agn'ivelany toby.Agny reo ro tsy maintsy mandoro ny hodiny; ny nofony, sy ny tain-drorohany.28Ny lihilahy ze mandoro ny fagnatitsa de tsy maintsy manasa ny akanjony sy mampandro ny tegnany amin'ny rano; afaran'izay, de hipody agny amin'ny toby i.29Ho lalàna mandrakizay ho anareo amin'ny volana faha-fito, amin'ny andro fahafolon'ny volana zany, aoka agnareo, na ny tompon-tany na ny vahiny ze miaina eo aminareo hanetri-tena sy tsy hiasa.30 Zay de satria amin'izay andro zay ny fanavotana de ho atao ho anareo, mba hanadiovana anareo amin'ny fahotanareo aby mba hadio eo anatrehan'i Yaveh agnareo.31 Ho sabata fitsaharana magnetriketrika ho anareo izay, ary tsy maintsy manetri-tena sady tsa miasa agnareo.Ho lalàgna mandrakizay eo aminareo izany32Ny mpisorognabe, ze ho hosorana sy ho tondroana ho mpisorombe eo amin'ny toeran'ny rainy, de tsy maintsy manao izay fagnavotana izay ireo akanjo rongony fotsy, izay de, ny akanjo masina. 33Tsy maintsy manao fagnavotana ho any toerana masina indrindra i; tsy maintsy manao fagnavotana ho an'ny fihaognana sy ho an'ny alitara i, sady tsy maintsy fagnavotana ho an'ireo mpisorogna sy ny vahoaka aby ao amin'ny fivondrognana i.34Ho lalàna ho anareo mandrakizay izany, mba hanaovana fagnavotana ho an'ny vaoakan'Israely nohon'ny otany aby, indraika isan-taona.'' Vita araka ny nandidian'i Yaveh an'i Mosesyizany.
171Nitarogna tamin'i Mosesy i Yaveh, nanao hoe: 2'' Mitarogna amin'i Arona sy ny zanany lahy, sy amin'ny vahoakan'Israely aby. Tarogno an-dreo ny nandidian'i Yaveh:3 'Ny lihilahy ao Israely ze mamono ômby, zanak'ondry, na osy ao amin'ny toby na mamono ianizay ivelan'ny toby, mba hanao sorogna izay_4 ko lehe tsa mitondra an'izay amin'ny fidirana amin'ny trano-lay fihaognana mba hagnatitsa an'izay ho sorona ho an'i Yaveh eo alohan'ny tabernakeliny i,de ho meloka amin'ny fandatsaha-drà zay lihilahy zay. Nandatsan-drà i, de tsy maintsy alaina eo amin'ny vahoakany zay lihilahy zay.5Ny anton'izay didy zay de mba hitondran'ny vahoakan'Israely ny sorognan-dreo amin'i Yaveh eo amin'ny tragno-lay fihaognana, mba hatolotsy ny pisorogna hatao fgnati-pihavagnana ho an'i Yaveh, fa tsa hagnatitsa sorogna ao amin'ny saha malalaka.6 Hamafy rà eo amin'ny fidirana ao amin'ny tragno-lay fihaognana ny pisorogna; handoro ny sabora ho an'izay i mba hagnome hagnitsa mamerovero ho an'i Yaveh.7Aoka tsa hagnatitsa ny soron-dreo amin'ny sampy osy koa ny vahoaka, fa tamin'izay ro nanaovan-dreo fijangajangana. Ho lalàna maharitsa eo amin-dreo hatramin'ny taranaka fara-mandimbyny zay.'8Aoka agnao hitarogna amin-dreo hoe:' Na ia na ia lihilahy eo amin'ny Israely, na vahiny ze mitoatsa amin-dreo, magnatitsa fagnatitsa ho doroana na sorogna9 ko tsa mitondra anizay eo amin'ny fidirana ao amin'ny tragno lay fihaognana mba hanao sorogna zay ho an'i Yaveh, de aoka halaina eo amin'ny vahoaka zay lihilahy zay.10he misy ona amin'ny ankohognan'Israely, na misy vahiny ze mitoatsa eo amin-dreomihinana rà, de hagnandrigna ny tavako hanohitsa anizay ona zay Aho sady hagnongotsa anizay ona zay eo amin'ny vahoakan'ny Aho. Fa ao amin'ny ràny ny ain'ny biby11 Nameko anao ny ràny mba hapisy fagnavotana eo amin'ny alitara ho aignareo, satria ny rà ro manohitsa ny aigna.12Sy zay de nitarogna tamin'ny vahoakan'Israely Aho mba tsa hisy hihinana rà eo aminareo, na misy hihinana rà ze vahiny mitoatsa eo aminareo.13 Na ia na ia amin'ny vahoakan'Israely, na ze vahiny mitoatsa eo amin-dreo, ze mihiaza sy mamono biby na vorogna ze azo hoanina, de handraraka ny ràn' izay de hanototsa ny tany ny rà14Fa ao amin'ny ràny ny ainy zava-boary aby. Zay ro nilazako tamin'ny vahokan'Israely hoe: Aoka agnareo tsa hihinana ny ràny zava-boary, satria ao amin'ny ràny ny ainy raha managn'aigna aby. Na ia na ia mihinana anizay de aoaka ho roahina. "15Ny ona tsira-draika ze mihinana biby efa maty na voaviraviran'ny bibi-dia, na tera-tany na vahiny ny ona mitoatsa eo aminareo, de aoka i hanasa ny akanjony sady hapandro tegnany amin'ny rano, de haloto i mandra-paharivany andro. de hadio i sy avy eo.16 Fa lehe tsa manasa ny akanjony na mapandro ny vatany i, de aoka i hijery ny helony.' "
181Niresaka tamin'i Mosesy i Yaveh, nanao hoe:2 "Mirisaha amin'ny vahoakan'Israely de lazao reo hoe: 'Iaho ro i Yaveh Andriamagnitsareo.3 Aza manao ny raha ataon'ny vahoaka agny Egypta, ze nonegnanareo teo aloha. Aza manao zay raha ataon'ny vahoaka ao Kanana, ny tany ze hitondrako ao Aza magnaraka ny fomban-dreo.4y lalàko ro aoka hataonareo, de ny didiko ro aoka ho tandremanareo, mba handihiananareo eo amin-dreo, Satria Aho ro Yaveh Andriamagnitsareo.5 Ko noho zay de tandremo ny didy aman-dalàko. lehe misy ona mankatò anireo, de ho velogna noho reo i. Iaho ro Yaveh.6Aoka mba tsa hisy ona hiara-matory amizay ona ze mifandray mariny aminazy. Iaho ro Yaveh. 7Aza magnala baraka ny rainareo amin'ny fatoriana miaraka amin'ny reninareo. Reninareo i! 8Aza magnala baraka anazy. Aza miara matory amireo vadin-drainareo; aoka agnareo tsa hagnala baraka ny rainareo tahak'izay.9Aza miara-matory amize anabavinareo, na zanaka vavin'ny rainareo i na zanaka vavin'ny reninareo, neko de natsangagna tao amin'ny tragnonareo na lavitsa anareo aza i. Aza miara-matory amin'ny anabavinareo. Aza miara-matory amin'ny anabavinareo . 10Aza miara- matory amin'ny zanaka vavin'ny zanakareo lahy na amin'ny zanaka lahin'ny zanakareo vavy.Fa ho hegnatsa ho anareo hiany zay.11 Aza miara-matory amin'ny zanaka vavin'ny vadin-drainareo, ze nateraky ny rainareo. Anabavinareo i, de aoka agnareo tsa hiara matory amin'azy.12Aza miara matory amin'ny anabavin-drainareo. Havana mariny ny rainareo i. 13Aza miara-matory amin'ny rahavavin-dreninareo. Havagna mariny ny reninareo i.14 Aza magnala baraka ny rahalahin-drainareo amin'ny fiarahana matory amin'nyvadiny. Aza mandriny anazy amizay tanjogna zay; nenitoanareo i.15Aza miara-matory amin'ny vinanto vavinareo. Vadin-janakareo i; aza miara-matory aminazy. 16Aza miara-matory amin'ny vadin-drahalahinareo; aza manala baraka anazy amn'izay fomba zay.17Aza miara-matory amin'ny apela iraika sy ny zanany, na amin'ny zanaka vavin'ny zanany lahy na amin'ny zanaka vavin'ny zanany vavy. Havana mariny anazy reo, de faharatsiana ny fiaraha-matory amin-dreo.18 Aoka agnareo tsy hanam-bady ny rahavavim-badinareo ho vady faharoa de hiara-hatory aminy lehe vo velogna ny vadinareo voalohany.19Aza miara-matory amin'ny apela mandritsy ny fadimbolany. Maloto i mandritsin'ny fotoagnaay. 20Aza miara-matory amin'ny vadin'ny mpiray vody rindrigna aminareo ko handoto ny tegnanareo miaraka aminy amin'izay fomba anizay.21Aoka agnareo tsy hagnome ny zanakareo ho atao eo ami'ny afo, fa manao sorogna anazy ny ho an'i Moloka agnareo amin'izay, satria tsy mahazo maniratsira ny anaran'Andriamanitra agnareo. Iaho ro Yaveh.22Aza miara-matory amin'ny lihilahy hafa toy ny miaraka amin'ny apela. Ratsy zao.23 Aza miara-matory amin'ny biby sy mandoto ny tegnanareo miaraka amin'izay. Aoka tsy hisy apela hihevitra fiaraha-matory amin'ny biby. Fahavetavetana izany.24Aza mandoto ny tegnanareo amin'ireo fomba reo, fa tamin'ireo fomba rehetra ireo no nampahaloto anireo firenena , ny firenena ze ho roahiko eo agnatrehanao .25 Voaloto ny tany , ko nosaziako ny fahotan-dreo , de nandoa reo mponiny ny tany .26Noho izay, agnareo, de aoka hitandrigna ny didiko sy ny fitsipiko, de aoka agnareo tsa hanao an'ireo zava-mahatsiravina reo, na ny tera-tany Israelita zay na ny vahiny ze monigna eo aminareo.27 Fa zay ro faharatsiana efa nataon'ny poniny tany, reo ze nitoatsa teto talohanareo, de voaloto ny tany amizao.28 fa mitandrema mba tsa hoaloany tanyhiany koa agnareo afarany nandotoanareo anazy, tahaka ny nandoavan'ny vahoaka anizay teo alohanareo.29Na ia na ia manao anireo raha mahakamokamo reo , ny ona ze manao anizay de alaina tsa ho eo amin'ny vahoakan-dreo.30 Noho izay de tandremo ny didiko mba tsa hanao ny fomba mahakamo ze natao teto talohanareo reo, ko tsa handotoanareo ny tegnanareo amin-dreo. Iaho ro i Yaveh Andriamagnitsareo.' "
191Niresaka tamin'i Mosesy i Yaveh, ko nanao oe:2 "Mirisaha amin'ny fiangonan'ny vahoakan'Israely abiaby de tarogno an-dreo hoe: 'Masìna agnareo, fa Iaho Yaveh Andriamagnitsareo de masina.3 Aoka ny tsiraidraika hagnaja ny reniny sy ny rainy, de tandremo ny sabatako, Iaho ro Yaveh Andriamagnitsareo.4 Aza mihodigna mandeha agny amin'ny sampinareo raha-foagna, na manao Andriamagnitsa vy ho anareo. Iaho ro Yaveh Andriamagnitsareo.5Lehe magnatitsa sorogna fagnati-pihavagnana amin'i Yaveh agnareo, aoka agnareo hagnatitsa anizay mba ho ekena . 6Aoka ho hoanina amin'ny andro hagnaterana anazy zay, na amin'nigny apitson'igny. 7Lehe misy raha tsa lany mandra-piavian'ny andro fahatelo, de aoka hodoroana zay. maloto zay lehe vona hoanina amin'ny andro fahatelo. Aoka tsa ho ekena zay,8 fa ny tsiraidraika ze mihinana anizay de hitondra ny helony satria efa nagnala baraka ze raha-masin'i Yaveh i. Aoka halaina eo amin'ny vahoakany zay ona zay.9Lehe mijinja ny vokatsy ny taninareo agnareo, de aoka agnareo tsa hila tanteraka ny zorony sahanareo, na hagnangogna aby ny vokatsareo. 10Aoka agnareo tsa hagnangogna aby ny voaloboka amin'ny tanim-boalobokareo, na hamory ny voaloboka ze mitrotraka amin'ny tany eo amin'ny tanim-boalobokareo. Aoka havelanareo reo ho an'ny mahantra sy ny vahiny. Iaho ro Yaveh Andriamagnitsareo.11Aza mangalatsa. Aza mandenga. Aza mifamitaka.12 Aza mianiana lenga amin'ny agnarako na maniratsira ny agnaran'ny Andriamagnitsareo. Iaho ro Yaveh.13Aza mampahory ny mpiara-monigna aminareo na mandroba anazy. Aoka tsa hiegnina miaraka aminareo amin'ny aligna manontolo ko zizika amin'ny maraigna ny karaman;ny mpikarama.14 Aza magnozogna ny maregnina na mametraka zsakagna mamingagna eo alohan'ny jamba. Fa zao, aoka agnareo hatahotsa A ndriamagnitsareo.Iaho ro Yaveh.15Aza disoana ny fitsarana. Aza mijery tavan'olo satria mahantra i, de aza mijery tavan'olo satria ambony i. Fa zao, tsarao araka ny fahamarinany ny mpiara mpnogna aminareo.16 Aza mivezivezy magnaparitaka fosafosa eo amin'ny vahoakanareo, fa tadiavo ze hiarovanareo ny ain'ny piara mitoatsa aminareo. Iaho ro Yaveh17Aza mankahala ny rahalahinareo amin'ny fonareo. Aoka agnareo hitarogna mafy an-kitsipo ny piray monigna aminareo mba tsa hifampizaranareo ota noho ny aminazy.18 Aza mamaly faty mitagna lolopo amin'ny vahoakanareo, fa zao tiavo ny namareo tahaka ny tegnanareo. Iaho ro Yaveh.19Tandremo ny didiko. Aza magnandragna magnaraka ny bibinareo amin'ny karazambiby hafa. Aza mapifangaro karazanana voa samy hafa lehe mamboly amin'ny tanimboly. Aza mitondra akanjo natao tamin'ny akora roa karazany ze napifangaroana.20Na ia na ia miara-matory amin'ny andevo vavy ze voafofofo ho vady, nefa tsa novidia-pagnavotana na namena ny fahafahana, de aoka reo ho saziana. Aoka tsa ho vonoana reo satria tsa ona afaka i.21 Aoka hitondra ny fagnatitsa nohon'ny heloka ho an'i Yaveh eo amin'ny fidiran'ny trano-lay fihaognana ny lihilahy raika __ondry lahy raika fagnatitsa tratsany heloka.22 De hanao fagnavotana ho anazy ny pisorogna miaraka amin'ny ondry lahy hatao fagnatitsa nohon'ny heloka eo alohan'i Yaveh, nohon'ny ota ze nataony. Ko de ho voavela ny fahotana vitany23Lehe avy eo amin'ny tany agnareo de mamboly ny karazan-kazo fihinam-boa , de aoka agnareo hamela ny voa ze vokarin-dreo mba ho voarara tsa ho hanina. Aoka ho voarara ny voa ho anareo mandritsa ny telo taogna. Aoka tsa ho hoanina zay.24 Fa amin'ny taogna fahefatsa de ho masina aby ny voa, ho fagnati-piderana ho an'i Yaveh . 25Amin'ny taogna fahadimy de afaka ny hihinana ny voa agnareo, satria niandry anareo mba hafahan'ny hazo mamokatsa betsaka. Iaho ro Yaveh.26Aza mihinana hena lehe vona misy rà zay. Aza magnotany ny fagnahy momban'ny ho avy, de aza mikatsaka ny hifehy ny hafa amin'ny hery mihoatsa ny natoraly.27 Aza magnaraka ny fahazarany panompo sampy tahaka ny fagnaratana ny sisiny lohanareo na magnongotsa ny sisiny volom-bavanareo. 28aza mandidy ny vatanareo ho an'ny maty na magnisy marika tombokavatsa amin'ny tegnanareo. Iaho ro Yaveh.29Aza magnalabaraka ny zanakareo vavy amin'ny fanaovana anazy ho pijangajanga, fa ho lavo amin'ny fijangajangana firenena de ho feno fajharatsiana ny tany. 30Aoka agnareo hitandrigna ny sabatako de hagnome voninahitsa ny fitoerana masin'ny tabernakeliko. Iaho ro Yaveh.31Aza mihodigna agny amin'ny ze miresaka amin'ny maty na amin'ny fagnahy. Aza mitadia an-dreo, fa lehe tsa zay handoto anareo reo. Iaho ro Yavhe Andriamagnitsareo.32Aoka agnareo hitsangagna eo alohany ona fotsy volo de hagnome voninahitsa ny ona antintsa. Aoka agnareo hatahotsa ny Andriamagnitsareo. Iaho ro Yaveh.33Lehe misy vahiny mitoatsa ao aminareo eo amin'ny taninareo, de aoka agnareo tsa hanao ratsy anazy.34 Aoka ho tahaka ny tera-tany Israelita mitoatsa eo aminareo ny vahiny ze mitoatsa miaraka aminareo, de aoka ho tiavinareo tahaka ny tegnanareo i, satria efa mba vahiny hiany agnareo tagny amin'ny tany egypta.Iaho ro Yaveh Andriamagnitsareo.35Aza mapiasa fandrifesana diso lehe mandrefy halavana, lanja, na habitsahana.36 Aoka agnareo hapiasa mozàgna marina, vato mozàgna marina, efaha marina, de hina marina. Iaho ro Yaveh Andriamagnitsareo, ze nitondra anareo nienga ny tany egypta.37 Akatoavo aby ny didiko sy ny laláko, de ataovo reo. Iaho ro Yaveh.' "
201Niresaka tamin'i Mosesy Yaveh, nanao hoe:2 "Tarogno amin'ny zanak'Israely hoe: 'Ze aby eo amin'ny zanak'Israely, na vahiny ze mitoatsa agny Israely ko manolotsa ny zanany amin'i Maloka, de aoka ho maty. Aoka hitora-bato anazy ny ona ny tany.3Hapifagnandrigna ny tavako amizay ona zay hiany koa Aho sady ho fongoriko eo amin'ny onan'ny i satria efa natolony an'i Maloka ny zanany, mba handotoana ny toerako masina sy hagnaratsiana ny Agnarako masina.4 Lehe magnipy ny masony amizay ona zay ny onan'ny tany sy efa nanolotsa ny zanany amin'i Maloka, lehe tsa mamono anazy reo,5 de Aho mihintsy ro hapifagnandrigna ny tavako amizay ona zay sy ny fokony, de hofongoriko i sy ny hafa aby ze mivarotsa amin'ny tegnany mba hijangajangana miaraka amin'i Maloka.6Ny ona ze mitodika amin'ny ona ze miresaka amin'ny ona maty, na reo ze miresaka amin'ny fagnahy mba hivarotsa ny tegnany amin-dreo, de hagnandrigna ny tavako amizay ona zay Aho; ho fongoriko eo amin'ny olony i.7 Noho zay de hamafiso ny tegnanareo de aoka ho masina, satria Iaho ro Yaveh Andriamagnitsareo.8Aoka hitandrigna ny didiko agnareo de hagnaraka anireo. Fa Iaho ro Yaveh ze nanokagna anareo ho masina.9 Aoka ho maty tokoa ze aby magnozogna ny rainy na ny reniny. Efa nagnozogna ny rainy sy ny reniny i, ko meloka sady mendrika ny ho maty.10Ny lohilahy ze magnitsakitsa-bady amin'ny vadin'olo-kafa, zany hoe, ze mijangajanga amin'ny sakaizam-badiny__aoka ny mpijangajanga sy ny nijangajanga samy ho maty tokoa.11 Ny lihilahy ze miara-matory amin'ny vadin-drainy mba hatory aminazy de efa nagnala baraka ny rainy. Aoka ho maty tokoa ny zanaka lahy sy ny vadin'ny rainy. Meloka reo sady mendrika ny ho maty.12 Lehe misy lihilahy miara-matory amin'ny vinanto vaviny, de aoka samy ho maty tokoa i roa. Efa nanao fahavetavetana reo. Meloka eo sady mendrika ny ho maty.13he misy lihilahy miara-matory amin'ny lihilahy hafa, tahaka ny miaraka amin'ny apela, de samy efa nanao raha mahafandriandriagna reo. Aoka ho maty toa reo. Meloka reo sady mendrika ny ho maty.14 Lehe misy lihilahy manambady apela sady manambady ny reniny hiany koa, de faharatsiana zay, mba tsa hisy faharatsiana eo aminareo.15Lehe misy ona miara-matory amin'ny biby, de aoka ho maty tokoa i, ary aoka agnareo hamono ny biby.16 Lehe misy apela magnatogna biby mba hiara matory aminazy, de aoka hamono ny apela sy ny biby agnareo. aoka ho maty tokoa reo. Meloka sy mendrika ho maty reo.17Lehe misy lihlahy miara-matory amin'ny anabaviny, na amin'ny zanaka vavin'ny rainy na zanaka vavin'ny reniny__lehe miara-matory aminazy de miaraka aminazy, de raha mahamegnatsa zay. Aoka ho fongorana eo amin'ny fagnatrehan'ny olony reo, satria niara natory tamin'ny anabaviny. De hibaby ny helony i. 18Lehe misy lihilahy miara matory amin'ny apela mandritsa ny fadimbolany de efa niara natory taminazy, de efa nanoro ny ny fikoriagnany rà taminazy, ny nipoiran'ny ràny i. De aoka samy hofongorana tsa ho eo amin'ny olony i roa.19Aoka tsa hiara-matory amin'ny rahavavin-dreninao agnao, na amin'ny anabavin-drainao, satria hagnala baraka ny havanao marìny anao agnao.20 Lehe misy lihilahy raika miara-matory amin'ny nenitoany, de hagnala baraka ny dadatoany i. Sy efa maty reo, de samy ho saziako, sady sy efa maty reo, de halaiko ny lovan'ny zana-dreo ze mety ho hazany hatamin'ny ray aman-dreniny.21 Lehe misy lihilahy manam-bady ny vadin-drahalahiny lehe vona velogna ny rahalahiny, de fahafaham-baraka zay. Efa nagnala baraka ny rahalahiny i, de halaiko amin'ny zanany ny fabagnanaaby mety efa nolovan-dreo hatamin'ny ray aman-dreniny.22Koa aoka agnareo hitandrigna ny didy aman-dalako aby; aoka hankatò anizay agnareo mba tsa handoa anareo tagny ze hitondrako anareo mba hitoeranareo.23 Aoka tsa handeha amin'ny fomban'ny firenena ze ho roahiko tsa ho eo alohanareo agnareo, satria efa nanao ze raha aby zay reo, de halako reo24Hoy Aho aminareo hoe: "Handova ny tanin-dreo agnareo; hagnome anareo anizay ho fanagnanareo Aho, tany todra-dronono sy ny tantely. Iaho ro Yaveh Andriamagnitsareo, ze efa nagnavaka anreo tamin'ny olo hafa.25 Noho izay de aoka agnareo hagnavaka ny biby madio sy ny maloto, ny vorogna kitika maloto sy ny madio. Aoka agnareo tsa handoto ny tegnanareo amin'ny biby maloto na ny vorogna mitsidigna na amin'ny raha managn'aigna aby ze mandady amin'ny tany, ze efa navako ho maloto taminareo.26Aoka ho masina agnareo, fa Iaho,Yaveh, de masina, sady efa nagnavaka anareo tamin'ny olon-kafa aho, satria Anahy agnareo.27aoka ho maty tokoa ny lihilahy na ny apela ze miresaka amin'ny fagnahy. Aoka hitora-bato anazy ny ona. Meloka i sady mendrika ny ho maty." '
211Zao ro nataon'i Yaveh tamin'i Mosesy: "Mirisaha amin'ny mpisorogna, ny zanaka lahin'i Arona, de lazao reo hoe: 'Aoka tsa hisy neko raika aminareo ko handoto ny tegnany ho nohon'ny amin'ny ze maty eo amin'ny olony,2 afa-tsy ny havany mariny anazy--ny reniny, ny rainy, ny zanany lahy, ny zanany vavy, ny ralahany,3 na ny anabaviny virijiny ze miantehitsa amin'ny, ambara-panagnany vady__fa mety handoto ny tegnany nohon'ny aminazy i.4Saingy aoka tsa handoto ny tegnany amin'ny olon-kafa i ko handoto ny tegnany.5 Aoka ny pisorogna tsa hagnaratsa ny lohany na hagnaratsa ny sisin'ny volom-bavany, na hanetika ny tegnany.6 Aoka ho masina amin'ny Andriamaniny, satria ny pisorogna romagnome ny fagnatitsa hohanina ho an'i Yaveh, ny mofon'ny Andriamagnitsan-dreo. Noho zay aoka ho masina ny mpisorogna.7Aoka reo tsa hanambady ny apela ze mivaro-tegna sy maloto, de aoka tsa hanambady apela nisara-bady reo, satria reo de voatokagna ho an'Andriamagnin-dreo.8 Hatokanareo i, satria i ny manolatsa mofo ho an'Andriamagnitsareo. Aoka ho masina amin'areo i,satria Aho, Yaveh ze magnamasina anareo, de masina.9 Ny zanaka vavin'ny pisorogna ze mandoto ny tegnany amin'ny fahasalamana ho mpivaro-tegna manalabaraka ny rainy. De aoka ho dorana izy.10Ze mpisoronabe eo amin'ireo rahalahiny , ze efa nandrarahana diloilo fagnosorana teo amin'ny lohany, de ze efa nohamasinina hitafy ny akanjo voatokagna ho an'ny mpisoronabe, de aoka tsa hampisarakorako ny volony ny handrovitsa ny akanjony.11 Aoka tsa handeha egny amin'ny ze misy fatin'ona i ko handoto ny tegnany, na ny rainy na ny reniny aza.12 Aoka ny mpisoronabe tsa handao ny faritry ny fitoerana masin'ny tabernakely na hanimbazimba ny fitoerana masin'ny andriamaniny, satria efa nohamasinina ho mpisorognabe tamin'ny alalan'ny fagnosorana ny diloilon'ny Andriamaniny i. Iaho ro Yaveh.13Aoka ny pisorognabe hangalaka vady virjiny.14 Aoka i tsa hanambady pitondrategna, apela nisara-bady, na apela mpivaro-tegna. Tsa hanambady anize karazan'apela zay i. Virijiny avy amin'ny olony hiany ro azony vadiany,15 ko tsa handooany ny zanany eo amin'ny vahoakany, satria Iaho ro Yaveh, ny magnamasigna azy. " '16Zao ro nataon'i Yaveh tamin'i Mosesy, nanao hoe:17 "Mirisah amin'i arona de tarogno anazy hoe: 'Ze aby managna kilema ara-batagna amin'ny taranakareo sy ny fara mandimbin-dreo, de aoka i tsa hagnatogna ko hanolok'anina ho an'ny Andriamaniny.18Aoka tsa hagnatogna an'i Yaveh ny ona aby ze managna kilema ara-batagna, tahaka ny ona jamba na ona tsa afaka mandeha, ze simba tarehy na sembagna,19 ny onany ze manan-takaitsa ny tagnany na ny tongotsa,20 ny ona ze misy vovoka ao andamosiny na kazaotina na fohy, na ona misy takaitsa ny masony, na misy aretina, na areti-maso, lagaly, na ze vihy torotoro.21 Tsa misy ona eo amin'ny taranak'i Arona pisorogna managna kilema ara-badagnako mandriny mba hagnatateraka ny fagnatitsa ao amin'ny afo ho an'i Yaveh, Ny ona managna kilem ara-batagna tahaka anizay; de aoka i tsa handriny ko hanolotsa mofo ho an'Andriamaniny.22Afaka mihinagna ny haninan'ny Andriamaniny i, na ny sasany amin-dreo masina indrindra na sasany amin-dreo masina. 23Na de zay aza, aoka tsa hiditsa agnaty lamba fagnakonana na handriny ny alitara i, satria manan-kilema ara-batana i, mba tsa mandoto ny toerako masina, satria iaho ro Yaveh, ze manamasina reo. '' ' 24Ko noresahin'i Mosesy tamin'i Arona aby ny teny reo, tamin-dreo zanaka lahiny, sy reo zanak'Israely aby.
221Hoy i Yaveh tamin'i Mosesy, nanao hoe: 2'' Miresaha amin'i Arona sy reo zanany lahy, tarogno reo mba hitandrigna ny raha masin-dreo zanak'Israely, fa voatokana ho anaha reo. Aoka tsa hanimbazimba ny Agnarako masina reo. Iaho ro Yaveh.3 Tarogno anazy reo hoe: ' Lehe misy amireo taranakareo amin'ny fara aman-dimbinareo mandriny ny raha masina ze efa voatokan'ny zanak'Israely ho an'i Yaveh, kanefa maloto i, de aoka ho fongorina eo agnatrehako zay ona zay: Iaho ro Yaveh4Tsy misy amin-dreo taranak'i Arona ze managna aretik'oditsa mifindra, na aretina mikoriana amin'ny ràny tsy an-kijanona avy any amin'ny vatany , ko afaka hihinagna ny sorogna natao ho an'i Yaveh ambaram-pahadio anazy. Ze mikasika ny raha maloto na mifandray amin'ny maty, na amin'ny fifandraisana amin'ny lihilahy ze mandeha tsirinaina tsy ankijanona, 5na ny mikasika ny biby mikisaka ze mampaloto anazy, na karazana loto ina zay na ina_ 6ko ny mpisorogna ze mikasika ny raha maloto aby de haloto mandrapaharivan'ny andro. Aoka tsy hihinagna ny amin-reo raha masina aby i , lehe tsa efa nampandro ny tegnany tamin'ny rano.7Sy efa miletika ny masoandro de hadio i. Afaran'ny filitehan'ny masoandro i ro afaka hihinana amin'ny raha masina, satria sakafony reo.8 Aoka i tsa hihinana ny raha tsa hitany maty na novonoan'ny bibi-dia ze handotoany ny tegnany. Iaho ro Yaveh .9 Aoka ny mpisorogna hagnaraka ny fampianarako, fa nge ho meloka amin'ny ota reo ko ho maty amin'ny fanimbazimbana Anahy. Iaho ro Yaveh ze magnamasina anireo10a misy ona ivelan'ny fianakavian'ny mpisorogna, anisan'izay ny vahin'ny mpisorogna na ny mpanompo mpikarama, afaka hihinana ny raha masina aby. 11Kanefa lehe mividy amin'ny volan'ny manokagna ny mpisorogna, ze andevo ze afaka ny hihinana amireo raha ze voatokagna ho an'i Yaveh. Ny fikambagnan'ny fianakavian'ny mpisorogna sy ny andevo teraka tao an-dragnony, reo hiany koa de afaka hihinana ny raha reo miaraka aminazy.12Lehe ny zanaka vavin'ny mpisorogna ro manambady ona tsa mpisorogna, de tsa afaka ny hihinana amireo anjara fagnatitsa masina i. 13Fa lehe mpitondra tegna ny zanaky ny mpisorogna, na nisara-bady, sady lehe tsa manam-bady i, ko mipody mitoatsa amin'ny tragnon-drainy tahaka ny tamin'ny fahazazany, de afaka ny hihinana ny hanin-drainy. Fa tsa misy ona ze tsa ao agnatin'ny fiankavian'ny mpisorogna afaka ny hihinana amin'ny hanin'ny mpisorogna.14Lehe misy ona mihinana tsy nahy ny hanina masina, de aoka i hanohitsa anizay amin'ny mpisorogna; aoka i hagnampy raika am-pahadimin'ny sady hagnapody anizay agny amin'ny mpisorogna.15 Aoka ny zanak'Israely tsa hametaveta ny raha masina ze efa nasandratsa ambony sy natolotsa ho an'i Yaveh,16 sady tsa hampitondra ny tegnan-dreo ny fahotana ze magnameloka an-dreo amin'ny fihinana ny hanina masina, fa iaho ro Yaveh ze magnamasina anireo.17Zao ro nataon'i Yaveh tamin'i Mosesy, nanao hoe: 18"Mirisaha amin'ny Arona sy ny zanany lahy, de amin'ny zanak'Israely aby. Tarogno an-dreo hoe: 'Ny Israelita aby , na vahiny mitoatsa ao Israely, sy efa manolotsa sorogna reo__na hagnatanteraka voady zay, na fagnatitsa antsitrapo, na hatolotsan-dreo amin'i Yaveh ny fagnatitsa doroana,19 lehe ankasitrahana zay , de aoka reo hanolotsa biby fiompy lahy tsa misy kilema, ondry,na osy.20Nefa aoka agnareo tsa hanolotsa ze mana-kilema.Tsa hankasitra ze aminareo Aho.21 Ze aby manolotsa ny fagnati-pihavagna hatamin'ny ômby na ondry ho an'i Yaveh mba hagnatantirahana voady, na fagnatitsa antsitra-po, de tsa tokony ho kilemaina zay mba ho ankasitrahana. Aoka tsa hisy biby manan-kilema.22Aoka tsa hanolotsa biby jamba, sembagna, na kilema, na ze misy fahabokana, marary, na ferena agnareo. Aoka tsa hanolotsa anireo ho amin'i Yaveh ho sorogna avy hatamin'ny afo eo amin'ny alitara agnareo. 23Afaka amanolotsa ômby raika na zanak'ondry ze sampogna na kely hatao fagnatitsa antsitrapo agnareo, nefa ny fagnatitsa tahaka anizay de tsa ho ankasitrahana ho voady24a manolotsa biby voatorotoro, potika, rovidrovitsa, na vosotsa ho an'i Yaveh. Aza manao anizay ao amin'ny taninareo. 25Aoka agnareo tsa hanolotsa ny mofon'ny Andriamagnitsareo hatamin'ny tagnany vahiny. Reo biby reo de sapogna sady kilema , tsa ho ankasitrahana ho anareo.'' '26Niresaka tamin'i Mosesy i Yaveh de nanao hoe:27 "Sy efa teraka ny omby na ny ondry na ny osy, de tsy maintsy miegnina hafitoana miaraka amin'ny reniny zay. De manomboka amin'ny andro fahavalo, de azo ankasitrahana ho fagnatitsa natao amin'ny afo ho an'i Yaveh zay.28Aza mamono omby vavy na ondry vavy miaraka amin'ny zanany, ao agnatin'ny ndraik'andro.29 Sy efa manao fagnati-pisaorana ho an'i Yaveh agnareo, de aoka hanao sorogna ze amin'ny fomba azo ikena.30 Aoka hohanina amin'ny andro nanaovana sorogna anazy zay. Aoka tsa hisy avelanareo ho tra-maraigna zay. Iaho ro Yaveh.31Koa aoka hitandrigna ny didiko sy hagnantateraka anireo agnareo. Iaho ro Yaveh.32 Aoka tsa hagnamavo ny Agnarako masina agnareo. Aoka ho ekena ho masina eo amin'ny zanak'Israely Aho. Iaho ro Yaveh ze magnamasina anareo,33 Ze nitondra anareo nienga avy tagny Egypta mba ho andriamagnitsareo: Iaho ro Yaveh. "
231Yaveh nitarogna tamin'i Mosesy hoe:2 "Mirisaha amin'ny vahoakan'Israely, de mitarogna amin-dreo hoe: 'Reto aby ny firavoravoana voatendry ho an'i Yaveh, ze masina; reo ro firavoravoako mahazatsa.3Afaka miasa ny enin'andro agnareo, fa ny andro fahafito de sabata fitsaharana tanteraka, fiombognana masina. Aoka agnareo tsa hiasa satria sabata ho an'i Yaveh amin'ny toerana aby ze hitoeranareo zay.4Reto aby ny firavoravoana voatendry ho an'i Yveh, de reo fiombognana masina ze tsy maintsy lazainareo amin'ny fotoagnan'ny voatondro:5 Amin'ny volagna voalohany, amin'ny andro fahaefatsy ny volagna amin'ny takariva, ro Paskan'i Yaveh.6 Amin'ny andro fahadimy ambin'ny folo io volagna io hiany ny firavoravoan'ny Mofo tsa misy Masirasira ho an'i Yaveh. Mandritsa ny fito adro agnareo de tsy maintsy mihinana mofo tsa misy masirasira7Ny andro voalohany de hatokanareo mba hivoriana miaraka; tsa hanao ny asa mahazatsa anareo agnareo.8 Hanolotsa fagnatitsa hoanina ho an'i Yaveh agnareo mandritsy ny fito andro. Ny andro fahafito de andro fiombognana natokagna ho an'i Yaveh, de aminio andro io agnareo de oka tsa hanao ny asa mahazatsa." '9Yaveh nitarogna tamin'i Mosesy, ko nanao hoe:10 " Mirisaha amin'ny olon'Israely de mitarogna amin-dreo hoe: ' Sy efa avy ao amin'ny tany homeko anareo agnareo, de sy efa mijinja ny vokatsizay agnareo, de tsy maintsy mitondra ny amboaran'ny voalohambokatsizay ho an'ny mpisorogna.11 Hanandratsa ny amboara eo agnatrehan' i Yaveh i de hanolotsa anizay ho Anazy, fa ho ankasitrahana eo aminareo zay. Amin'ny andro afaran'ny sabata ro anandratan'ny mpisorognazay hanolorany anizay ho anahy12Amin'ny andro ze hanandratanareo ny amboara sy hanolorana anizay ho Anahy, de tsy maintsy manolotsa zanak'ondry lahy raika heritaogna sy tsa misy kilema ho fagnatitsa doroana ho an'i Yaveh agnareo.13 Ny fagnatitsa voa de tsy maintsy koba manify roa ampahafolon'ny efaha mifangaro menaka, fagnatitsa natao tamin'ny afo ho an'i Yaveh, mba hamoaka hagnitsa ankasitrahana, de divay fagnatitsa sotroana, raika apahefatsy ny hina miaraka amizay.14 Aoka agnareo tsa hihinana mofo, na vary nindezina na tsotra, mandra-piaviany andro nitondranareo anio fagnatitsa io ho an'Andriamagnitsareo. Ho lalàna raikitsa amin'ny taranak'ireo vahoakanareo, amin'ny toerana aby hitoeranareo zay.15Manomboka amin'ny andro afaran'ny sabata__ze andro nitondranareo ny amboaran'ny fagnatitsa ahevaheva__de magnisà fito herignandro feno.16 Hagnisa dimampolo andro, ze andro afaran'ny Sabata fahafito agnareo. Sy avy eo de tsy maintsy hanolotsa fagnatitsa vary vaovao ho an'i Yaveh.17Tsy maintsy hitondra mofo roa natao tamin'ny roa ampahafolon'ny efaha aby any an-dragnonareo agnareo. Aoka ho vita amin'ny koba tsara toto sy mofo misy lalivay reo; ho fagnatitsa voaloham-bolana ahevaheva ho an'i Yaveh reo. 18Tsy atolotsanareo miaraka amin'ny mofo reo zanak'ondry lahy fito herintaogna sy tsa misy kilema, vantotr'ombilahy raika, de ondrilahy roa. Tsy maintsy atao fagnatitsa dorana ho an'i Yaveh, miaraka amin'ny fagnatitsa voan-dreo sy ny fagnatiny sotroana reo, fagnatitsa ze natao tamin'ny afo ka mamoaka hanitra ankasitrahana ho an'i Yaveh.19Tsy maintsy magnome osilahy raika hatao fagnatitsa nohon'ny heloka agnareo, de zanak'ondry lahy roa heritaogna ho an'ny sorogna, hatao fagnati-pivavahana.20 Ny mpisorogna de tsy maintsy magnevaheva an-dreo miaraka amin'ny mofon-dreo voaloham-bokatsa eo anatrehan'i Yaveh, de manolotsa andreo ho anazy mba ho fagnatitsa miaraka amin'ny zanak'ondry roa. Amin-dreo mpisorogna , ny fagnatitsa masina ho an'i Yaveh. 21Amin'io andro io hiany agnareo de tsy maintsy manao fagnambarana. Hisy fiombognana masina , ko tsa hanao ny asa mahajatsa agnareo. Ho lalàgna raikitsa amin'ny taranan-dreo vahoakanareo amin'ny toerana aby honegnanareo zay.22Lehe mijinja ny vokan'ny taninareo agnareo , de tsa tokony hijinja tanteraka ny zoron'ny sahanareo , de tsa tokony hagnangogna ze trotraka amin'ny vokatsareo . Aoka havelanareo ho an'ny mahantra sy ho an'ny vahiny reo . Iaho ro Yaveh Andriamagnitsareo." '23Niresaka tamin'i Mosesy i Yaveh, nanao hoe:24 "Miresaha amin'ny vahoakan'Israely de mitarògna hoe: ' Amin'ny volagna fahafito, ny andro voalohan'izay volagna zay de ho fitsaharana magnetriketrika ho agnareo, fahatsiarovanamiaraka amin'ny fitsofana trompetra, de fiombognana masina . 25Aoka agnareo tsa hanao ny asa mahazatsa , de aoka agnareo hanolotsa sorogna natao tamin'ny afo ho an'ny Yaveh." '26De niresaka tamin'ny Mosesy Yaveh , nanao hoe: "27 De amin'ny andro fahafolon'izay volagna fahafito zay roAndron'ny Fagnavotana. Ho fiomboognana masina zay, agnareo de tsy maintsy manetry ny tegnanareo sady manolotsa fagnatitsa natao tamin'ny afo ho an'i Yaveh.28Aoka agnareo tsa hiasa amin'io androio satria Andron'ny Fagnavotana zay,mba ho fagnavotana ho an'ny tegnanareoeo agnatrehan'i Yaveh Andriamagnitsareo.29Ze tsa magnetry ny tegnany amin'io andro io de tsy maintsy alàna avy eo amin'ny olony30Na ia na ia miasa amin'io androio, Iaho, Yaveh, de handrava anazy eo amin'ny olony. 31Aoka agnareo tsahanao asa amin'io andro na ina naina zay. Ho lalàna raikitsa amin'nytaranan-dreo vahoakanareo amin'ny toe-ragna honegnanareo zay.32 Zayandro zay de tsy maintsy ho sabata fitsaharana magnetriketrika ho anareo,de agnareo de tsy maintsy magnetry ny tegnanareo amin'ny andro fahasivin'nyvolagna amin'ny hariva. Manomboka amin'ny hariva ko hatramin'ny hariva agnareo de hankalaza ny Sabatanareo."33Yaveh niresaka tamin'i Mosesy', nanohoe: "34 Miresaha amin 'ny olon'Israely,manao hoe: ' Amin'ny andro fahadimy ambin'ny folo ny volagna fahafito ro hoFiravoravoan'ny Fialofana ho an'i Yaveh.Haharitsa fioto andro zay.35Amin'ny andro voalohany de tsymaintsy misy fiombognana masina. Aokaagnareo tsa hanao ny asa mahajatsa.36Mandritra ny fito andro agnareo de tsymaintsy manolotsa sorogna natao tamin'nyafo ho an'i Yaveh. Amin'ny andro fahavalode tsy maintsy hisy fiombognana masinade tsy maintsy manao sorogna amin'ny afoatolotsa ho an'i Yaveh agnareo, Fiombo-gnana magnetriketrika zay, ary agnareo de aoka tsa hanao ny asa mahajatsa.37Ny ro firavoravoana voatendry hoan'i Yaveh, ze tsy maintsy ambaranareo ho fiombognana masina mba hagnolorana sorogna natao tamin'ny afo ho an'i Yaveh,fagnatitsa dorana sy fagnatitsa vary, sorognasy fagnatitsa sotroana, ny tsirai-draika samyamin'ny androny aby. 38Ny firavora-voana reo de hiampy ny Sabatan'i Yavehsy ny fagnomezanareo, ny voadinareo aby, de ny fagnatitsanareoan-tsitrapo ze homenareo an'i Yaveh.39Momba ny Firavoravoan'ny Fialofana,amin'ny andro fahadimy ambin'ny folon'ny volagna fahafito, sy efa voavorinareony vokatsy ny tany, de tsy maintsytandremanareo io firavoravoan'i Yavehmadritsa ny fito andro io. Ny andro voa-lohany de ho fitsaharana magnetriketrika,de ny andro fahavalo hiany koa de hofitsaharana magnetriketrika.40Amin'ny andro voalohany agnareode tsy maintsy mangalaka ny vokatsa soa indrindra avy amin'ny hazo agnareo, sampan'ny hazo rofia, sy sampagna beravigna ao amin'ny ala mikitroka, dehazo malahelo eny amin'ny loharano ,de hifaly eo agnatrehan'i YavehAndriamagnitsareo mandritsa ny fito andro agnareo.41 Mandritsa ny fito androisan-taogna, de tsy maintsy mankalazaio firavoan'i Yaveh io agnareo , Holalàgna raikitsa amin'ny taranan-dreovahoakanareo amin'ny toerana abyhonegnanareo zay,. Tsy maintsyhankalaza io firavoravoana io agnareoamin'ny volagna fahafito.42Aoka agnareo honina amin'ny fialofanakely mandritra ny fito andro. Ny Israe-lita tera-tany aby de tsy maintsy honina amin'ny fialofana kely mandritsa ny fito andro,43 mba ho afaka hianatsany fomba namponegnako ny olon'Israelytamin'ny fialofana tahaka an'izay lehefa notarihiko niala ny tany Egipta reotaranakareo, ny taranaka mifandimby.Iaho ro Yaveh Andriamagnitsareo. " ' 44Tamin'izay fomba zay , ro nagnamba-ran'i Mosesy tamin'ny olon'Israely reofiravoravoana voiatendry ho an'i Yaveh.
241Natarogna tamin'i Yaveh, nanaohoe: 2" Baikony ny olon'Israely mba hiton-dra diloilo tsa mifangaro vita tamin'ny oliva ho anao mba ampiasaina amin'ny fanilo, mba hirehitsa mandrakariva ny jiro.3Arona de tsy maintsy mamela ny jirohirehitsa hiany ao ivelan'ny lamba fana-konana eo agnatrehan'ny didim-panekena ao amin'ny tranoy-lay fihaognana, manomboka ny hariva mandra-parain'ny andro. Ho lalàna maharitsa hatramin'nytaranan-dreo vahoakanareo zay.4 Nympisorognabe de tsy maintsy mitandrigna ny jiro hirehitsa hiany eo agnatrehan'iYaveh, ny jiro eo amin'ny fitoeran-jiro volamena tsa misy fangarony.5Aoka agnao hangalaka koba manify de ha-gnendy mofo roa ambin'ny folo amin'izay.Tsy maintsy misy roa ampahafolon'nyefaha isaky ny mofo. 6Avy eo agnao de hi-zara an'izay ho andalagna roa, enina amin'ny andalagna raika, eo ambonin'ny latabatsa vita tamin'ny volamena tsa misy fangarono.7Aoka agnao hametraka ditin-kazomagnitsa madio isakin'ny andalana mofo ho fagnati-pahatsiarovana. Io ditin-kazomagnitsa io de ho dorana ho an'i Yaveh.8Isaky ny Sabata ny mpisorogna avo detsy maintsy mametraka mandrakarivany mofo eo agnatrehan'i Yaveh ho an'nyolon'Israely, mba ho famantarana nyfagnekena tsy manam-pahataperana.9Io fagnatitsa io de ho an'i Arona sy ny zanany lahy, de hohanin-dreo eoamin'ny toerana ze masina zay, satriaampahany aby tamin'ny fagnatitsa nataotamin'ny afo ho an'i Yaveh. ''10De nisy zanaka vavy Israelita raika, ze Egiptiana no rainy, nanadehateo amin'ny vahoakan'Israely. Iozanakalahin'ny apela Israelita io de niady tamin'ny Israelita raikatamin'ny toby. 11Niteny ratsy ny agnaran'iYaveh sy nagnozogna an'Andriamagnitsa iozanaka lahin'ny apela Israelita io, ko noferin'ny vahoaka tamin'i Mosesy iSabomita ro agnaran'ny reniny, zanaka vavin'i Dibry, avy amin'ny fokon'i Dana12Notazomin-dreo tam ponja imandra-pitenin'i Yaveh I tegnanyny sitrapony amin-dreo.13De nitarogna tamin'i Mosesy Yaveh, nanaohoe: 14"Alao ny lihilahy ze nagnozogna an'Andriamagnitsa tao ivelan'ny toby.Ze mandre anazy de tsy maintsymametraka ny tagnan-dreo eo amin'ny lohany, de aoka ny fiangognana raikamanontolo hitora-bato anazy.15Aoka agnao hagnazava amin'ny olon'Israely de hitarogna hoe: " Ze abiaby ma-gnozogna ny Adriamagnitsany de tsy maintsymizaka ny helony.16 I ze miteny ratsy ny agnaran'i Yaveh de tsy maintsy hovonoana tokoa. Tsy maintsy hitora-batoanazy tokoa ny fiangognana manontolo, navahiny i na tera-tany Israelita. Lehemisy ona miteny ratsy ny agnaran'i Yaveh, de tsy maintsyvonoana i.17Lehe misy ona mamono ona hafa,de azo antoka fa tsy maintsy ho vonoanai.18 Lehe misy ona mamono nybibin'ny ona raika hafa, de tsy maintsy magnonitsa anizayi, aigna solon'ny aigna.19Lehe misy olagna mandratsa ny mpiara-mognina aminazy, de tsy maintsy atao aminazy ze nataony tamin'ny mpiara-mognina aminazy: 20Fahatapahana solon'ny fahatapahana, maso solon'ny maso, nifysolon'ny nify. Satria nandratsa ona i,de tsy maintsy atao aminazy koa zay.21Ze abiaby mamono biby raika de tsy maintsy manognitsa anizay, de ze abiabymamono ona de tsy maintsy vonoana.22Aoka agnao hanagna lalàna mitovy hoan'ny vahiny sy ny tera-tany Israelita,fa Iaho ro Yaveh Andriamagnitsao." '23Ko niresaka tamin'ny olon'Israely iMoskkesy, de noferin'ny ona nienga taoivelan'ny toby i lihilahy zay, zay nagnozognaan'i Yaveh zay, Notorahin-dreo tamin'nyvato i. Ny vahoakan'Israely de nanaoarakan'ny ze nandidian'i Yaverh an'i Mosesy.
251Niteny tamin'i Mosesy tagny an-tendrombohitsan'i Sinay Yaveh, nanaohoe:" 2Mitarogna amin'ny vahoakan'Israely delazao amin-dreo hoe: 'Lehefa mandehaamin'ny tany ze omeko anareo agnareo,de aoka mba hitandrigna ny sabata ho an'i Yaveh ny tany3Aoka agnao hamboly eo amin'ny sahanao mandritsa ny enin-taogna, de mandritsa ny enin-taogna de aoka agnaohandrantsagna ny tanim-boalobokao dehagnangona ny vokatsa.4 Fa amin'ny taognafahafito, de aoka ho tandrovigna ny androSabatan'ny fitsaharana magnetriketrika hoan'ny tany, Sabata ho an'i Yaveh. Aokaagnao tsa hamboly agny amin'ny sahanao na handrantsagna ny tanim-boalobokao.5Aoka agnao tsa hanao fijinjana voarindraamin'ny raha aby magniry ho anazy,de aoka agnao tsa hanao fijinjanavoarindra amin'ny voaloboka aby ze mitombo eo amin'ny voalobokao zaytsa voarantsagna. Ho taom-pitsaharanamagnetriketrika ho an'ny tany zay.6Ze magniry eo amin'ny tany tsa niasànamandritsa ny taognan'ny Sabata ro hosakafonao. Agnao, ny mpanomponaolahy sy vavy, ny mpanompo karamainaode ny vahiny ze monigna miarakaaminao ro aoka hagnangona hanina,7 deny biby fiompianao sy ny bibi-dia ro aoka hihinagna ze aby vokarin'ny tany.8Aoka agnao hagnisa Sabata fito amin'nytaogna,zany hoe, im-pito isaky ny fitotaogna, mba hisy Sabata fito taogna, sivyamby efapolo taogna ny fitambarany.9 De aoka agnao hitsoka anjomara mafy na aiana aia amin'ny andro fahafolon'ny volagnafahafito. Amin'ny Andron'ny Fagnavotanade aoka agnao hitsoka anjomaramanerana ny teninao aby.10Aoka agnao hanokana ny taogna fahadi-mampolo ho an'i Yaveh de hagnambara nyhafanana manerana ny tany amin'ny mpo-niny aby. Ho Jobily ho anao zay, ze tsy maintsy hagnapodianana ny fanagnana sy ny andevo agny amin'ny fianakaviany.11Ho jobily ho anao ny faha dimapolo taogna. Aoka agnao tsa hamboly na hitondra famirana voalamigna. Mihinana ze raha aby mitsiry ho azy, de vorio ze voaloboka mitombo eo amin'ny tanimboaloboka tsa mirantsagna. 12Fa Jobily, ze ho masina ho anao zay. Aoka agnao hihinana ny vokatsa ze mitsiry ho anazy ivelan'ny saha. ,13Aoka hagnapody ny tsiraidraika agny amin'nyzara-taniny hiany agnao amin'izaytaognan'ny Jobily zay. 14Lehe mivarotsatany amin'ny namanao agnao na mividytany amin'ny namanao agnao na mividytany avy agny amin'ny namanao, de aoka agnareo tsa hifamitaka na hifanao ratsy.15Lehe mividy tany amin'nynamanao agnao, hivero ny isan'ny taogna sy ny vokatsa azo ilaina mandra-piavin'ny Jobily magnaraka. De ny namanao koa mba hievitsa anizay. 16Ny haben'ny taogna mandra-piaviany Jobily magnaraka ro hapitombo ny lanjany tany, de ny havitsian'ny isan'ny taogna mandra-piavin'ny Jobily magnaraka ko hapihegna ny lanja. Satria ny isan'ny vokatsa ho vokarin'ny tan'ny ho an'ny tompony vaovao de mifandraika amin'ny isan'ny taogna mialohan'ny Jobily magnaraka.17 Aoka agnareo tsa hifamitaka na hifanao ratsy; fa zao; aoka agnao hagnome voninahitsa an'Adriamagnitsao, fa Iaho ro Yaveh Andriamagnitsao.18Noho izay de aoka agnao hakatò ny didiko, hitandrigna ny lalàko, de hagnatanteraka anireo. De hitoatsa ao amin'ny tany apilamignana agnao. 19Hagnome ny vokatsy ny tany, de hihinana agnao ko ho voky sady hitoatsa aompilamignana ao.20Mety hitarogna agnao hoe: " Ina ro hoaninay mandritsiny taogna fahafito? Ty, tsa afaka mamboly na mamory ny vokatsa agnay." 21Handidy ny fitahiako aho mba ho avy aminareo amin'ny taogna fahenina, de hamokatsa vokatsa ampy mandritsy ny telo taogna zay.22 Hamboly agnao amin'ny taogna fahavalo de hanohy hihinana avy tamin'ny vokatsa teo taloha sy ny hanina voatahiry. mandra-piaviny taogna filana amin'ny taogna fahasivy, de afaka hihinana avy amin'ny vatsy voatahiry tamin'ny taogna taloha agnao.23Aza mba amidy amin'ny tompo vaovao ny tany, satria Anahy ny tany. Vahiny aby agnareo sady ponina mandalo amin'ny taniko.24 Aoka agnao handinika ny zony fagnavotana ho an'ny tany aby ze hazanao; aoka agnao hamenla ny tany hapody hovidian'ny fianakaviana ze novidianao zay.25 Lehe avy mahantra ny Israelita namanao de noho zay antony zay ro hivarotany ny sasany ny fanagnany, de mety ho avy ny havany marìny indrindra de hividy ny fanagnana ze namidiny taminao.26Lehe tsa mana-kavagna mba hagnavotsa ny fanagnany ny lihilahy raika, kanefa lehe ambinina i ko managna fahafahana hagnavotsa ny fanagnany, 27de hikajy ny taogna hatramin'ny nivarotana ny tany sy nagnoregnana ndraika ny fandanjana tamin'ny ona ze nivarotana anizay i. De hipody agny amin'ny fanagnany hiany i. 28Fa lehe ohatra ko tsa afaka mipody agny amin'ny tany ho anazy hiany i, de hiegnina ho fanagnan'ny ona nividy anazy hatramin'ny taogna Jobily hiany ny tany.Amin'ny taognan'ny Jobily, de hipody agny amin'ny lihilahy ze nivarotsa anizay ny tany, de ny tena tompony hipody amin'ny fanagnany.29Lehe mivarotsa tragno amin'ny tanàna mimanda ny lihilahy raika,de mety hividy anizay ndraika agnatin'ny taona rai-manontolo i afaran'ny nahalafo anizay. Fa mandritsany taogna ry manontolo de managna zon'ny fagnavotana i. 30Lehe tsa avotsa agnatiny taogna ray manontolo ny tragno, de ho fanagnana mandrakizay ho anize nividy anizay ny tragno ao amin'ny tanàna mimanda, zizika amin'ny taranaka fara mandimby. De tsa hipody zay tragno zay amin'ny taogna Jobily.31Fa ny tragno ny vohitsa ze tsa misy manda magnodidigna an-dreo de hipody ho takany sahan'ny tany. hagnavotana reo, de tsy maintsy hipody mandritsy ny taogna ny Jobily.32 Neko zay aza, ny tragnon'ny Levita ao amin'ny tanànan-dreo de ho avotsa amin'ny fotoagna aby.33Lehe tsa magnavotsa ny tragno ze namidiny ny raika amin'ny Levita, de tsay maintsy hipody amin'ny taognan'ny Jobily ny tragno ze namidiny tao an-tanàna nisy anazy, fa fanagnan-dreo amin'ny vahoakan'Israely ny tragnon'ny tanànan'ny Levita. 34Fa ny saha magnodidihna ny tanàna de tsa azo amidy satria fagnana rekitsin'ny Levita zay.35Lehe manjary mahantra ny piray tanindrazagna aminao, ko tsa afaka mamokatsa ho anazy koa i, de aoka agnao agnampy anazy tahaka ny nagnampenao ny vahiny na ona raika ze mitoatsa tahaka ny mpivahiny eo aminao.36 Aza mangalaka tombony aminazy na magnandragna magnararaotsa anazy amin'ny fomba aby, fa magnomeza voninahitsa ny Andriamagnitsao mba ho afaka hiaigna aminao ny ralahinao reo.37 Aza mampin-drambola anazy sady aza mangalaka zana-bola anazy aminazy koa, na mivarotsa aminazy ny haninano mba hazahoana tombony.38 Iaho ro Yaveh Andriamagnitsao, ze nitondra anao nienga hatagny amin'ny Egypta, mba hafahako magnome anaony tany Kanana, de hahatonga Anahy ho Andriamagnitsao.39Lehe manjary mahantra ny piray tanin-drazagna aminao ko mivarotsa ny tegnany aminao, aoka agnao tsa hapiasa anazy tahaka ny andevo.40 Ataovo tahaka ny mpanompo karamaina i. aoka i ho tahaka ny ona ze miaigna miaraka aminao amin'ny fotoagna voafetsa. Hanompo hiaraka aminao hatramin'ny taogna Jobily i.41 Sy avy eo i de hiala aminao, I sy ny zanany ze miaraka aminazy, de hipody agny amin'ny fianakavian'ny sy ny fanagnan-drainy i.42Fa mpanompo noferiko avy tagny amin'ny tany Egypta reo. Tsa hamidy tahaka ny andevo reo.43 Aoka agnao tsa hitondra an-dreo amin-karatsiana, fa aoka agnao hagnome voninahitsa ny Andriamagnitsao.44 Lehe ny amireo andevo lahy sy vavy, ze azonao alaina avy amin'ny firenena ze mitoatsa magnodidigna anao, de afaka hividy andevo hatamin-dreo agnao.45Afaka mividy andevo hatamin'ny vahiny ze mitoatsa eo aminao hiany koa agnao, de ze avy amin'ny fianakaviana ze miaraka aminao, kilonga ze teraka tao amin'ny taninao. Hanjary fanagnanao reo.46 Hamokatsa andevo tahaka ny ze ho lova ho an'ny zanakao afara, mba ho tanana ho fanagnana agnao. Avy ami-ndreo mandrakariva ro hividianano ny andevona, fa aoka agnao tsa hitondra an-kery ny rahalahinao amin'ny vahoakan'Israely.47Lehe manjary mpanakareo ny vahiny na ny ona ze miaigna miaraka aminao amin'ny fotoagna voafetsa, de lehe manjary mahantra ny raika amin'ny Israelita namanao ko mamarotsa ny tegnany amizay vahiny zay, na amin'ny ona ao amin'ny fianakavian'ny vahiny, 48sy efa voafidy ny Israelita namanao, de afaka vidiana ndraika i. Hagnavotsa anazy ny raika amin'ny fianakaviany.49Mety ho rahalahin-drainy ny ona, na zanan-dralahin-drainy, ro magnavotsa anazy, na ona ze havany marìny hatamin'ny fianakaviany. Na , lehe manjary panakarena i, de afaka magnavotsa ny tegnany.50 Aoka i hifagnaraka amin'ny ona ze nividy anazy; aoka i hagnisa ny taogna manomboka ny taogna nahalafo anazy tamin'ny mpividy anazy ko zizika amin'ny taogna Jobily. Aoka ny vidin'ny fagnavotana anazy ho eritsiretina miaraka amin'ny taham-bidin'ny mpanompo nokaramaina, ho an'isan'ny taogna hanohizany miasa ho an'ny nividy anazy.51Lehe vona misy taogna betsaka mandrapiaviny taognan'ny Jobily, aoka i hipody handoa sandambola tahaka ny vidin'ny fagnavotana ze mifandanja amin'ny isan'ny taogna.52 Lehe ohatsa ka taogna kely sisa mandrapiavin'ny taognan'ny Jobily, de tsy maintsy mifagnaraka amin'ny pividy anazy i mba hahitana ny isan'ny sisa ambiny mialohan'ny taognan'ny Jobily, de aoka reo hagnefa ho an'ny fagnavotany mifagnaraka amin'ny isan'ny taogna.53Hatao tahaka ny lihilahy karamaina i.aoka ho azonao antoka fa tsa hitondra anazy amin-kery tokoa agnao. 54Lehe tsa avotsa amizay i, de aoka i hanompo zizika amin'ny taogna ny Jobily, reo sy ny zanany miaraka aminazy.55 Aminahy de panompo ny vahoakan'Israely. Mpanompoko ze noferiko hatagny amin'ny tany Egypta reo. Yaho ro Yaveh Andriamagnitsao." '
261Aoka agnao tsa hanao ny sampy, na hanangagna sarin-draha voasikotsa na tsangam-bato masina, de aoka agnareo tsa hametraka sary vato voasikotsa ao amin'ny taninareo mba hiankohofanareo, fa Iaho ro Yaveh Andrimagnitsareo.2 Aoka hitandrigna ny Sabatako sy hagnome voninahitsa ny fitoerako masina agnareo. Iaho ro Yaveh.3Lehe magnaraka ny lalàko sy mitandrigna ny didiko sady mankato anizay agnareo,4 de hagnome oragna anareo amin'ny vanipotoagnan'ny Aho; hagnome ny vokatsy ny tany, de ny hazony saha hagnome ny voany.5De ny famofohambary de hitohy amin'ny fotoagnan'ny filana ny voaloboka, de hihitatsa hatragny amin'ny fotoa-pambolena ny voka-boaloboka. Hihinana ny mofonareo mandra-pahavoky agnareo de hiaigna am-pilamignana agny amize nataonareo fonegnana ao amin'ny tany. 6Hagnome fiadagnana ao amin'ny Aho; hatory miaraka amin'ny raha tsa mapatahotsa anareo agnareo. Hamongotsa ny biby mandoza amin'ny tany Aho, de tsa handalo amin'ny taninareo ny sabatsa7Hagnenjika ny fahavalonareo agnareo, De higietraka eo alohanareo eo alohanareo amin'ny alalan'ny sabatra reo. 8Dimy aminareo handodotsa zato, de ny zato aminareo handodotsa ray aligna; higietraka eo alohanareo amin'ny alalany sabatra ny fahavalonareo.9Hijery anareo amim-pakasitrahana Aho sady hapamokatsa ro hapitombo isa anareo; hametraka ny fagnikeko aminareo Aho.10 Hihinana ny hanina voatahiry amin'ny fotoagna maharitsa agnareo. tsy maintsy hamoaka ny hanina voatahiry agnareo satria hilainareo ho an'ny vokatsa vaovao ny efitsa.11Hametraka ny tabernakeliko eo aminareo Aho, sady tsa hankahala anareo Aho.12 Handeha eo aminareo Aho sady ho Andriamagnitsareo, de agnareo ho oloko.13 Iaho ro i Yaveh Andriamagnitsareo ze nitondra anareo nienga avy hatagny amin'ny tany Egypta, mba tsa ho andevon-dreo agnareo, nanapaka ny hidiny zioganareo Aho de napandeha anareo mihintsy.14Fa lehe tsa hieno anahy agnareo, sady tsa hankato ny didiko aby,15 sady lehe mandà ny didiko sy tsa te ny lalàko, de tsa mankato ny didiko aby agnareo, fa hivadihanareo ny fagnikeko---16---lehe manao anireo raha reo agnareo, de hanao anizao aminareo Aho: Hampisy horohoro eo aminareo Aho, aretina sy tazo ze hanimba ny maso sy hanimba ny ainareo. Hamboly ny voa ho raha tsa misy agnareo, satria ny fahavalonareo ro hihinana ny voany.17 Hagnandrigna ny tavako hanohitsa anareo Aho, de hanjakany fahavalonareo tanteraka agnareo. Hanapaka anao ny lihilahy ze tsa te anareo. de hilefa agnao, neko de tsa misy mandodotsa anao aza ndreko raika18Lehe tsa mihieno ny didiko agnareo, de hagnafay am-pasahiana anareo impito nohon'ny fahotanareo Aho.19 Handrava ny avognavognareo agnatin'ny herinareo Aho. Hanao ny lagnitsa eo amboninareo ho tahaka ny vy Aho de ny taninareo tahaka ny varahogna.20 Hampiasaina amin'ny raha tsa misy ny tanjakareo, satria tsa hamokatsa ny vokany ny taninareo, sady ny hazo eo amin'ny tany de tsa hamokatsa ny voany.21Lehe mandeha manohitsa Anahy agnareo sady tsa mihieno Anahy, hitondra familezana im-pito avo heny eo aminreo Aho, araka ny fahotanareo.22 Handefa ny biby mandoza eo aminareo Aho, ze hangalatsa ny zanakareo, hamotika ny biby ompianareo, sady hahavitsy isa anareo. Ko hanjary mahery ny lalanareo.23Neko de eo aza zay raha zay ko vona tsa magneky ny fagnitsiako hiany agnareo sady mandeha manohitsa Anahy hatragny, 24 de handeha hanohitsa anareo hiany koa Aho, de Iaho mihitsy ro hagnamafy anareo im-pito noho ny fahotanareo.25Hitondra sabatra eo aminareo Aho ze hagnatatirahako ny famaliana tratsan'ny fivadihana tamin'ny fagnikeko. Hovoriako miaraka ao an-tanànareo agnareo, de handefa aretina eo aminareo agny Aho, de hatolotsa ho eo antagnan'ny fahavalonareo agnareo.26 Sy efa ho tapahako ny vatsy sakafonareo, de appela folo de hahavita hagnendy ny mofonareo ao agnaty lafaoro raika, de hizara ny mofonareo ara-danja reo. Hihinana agnareo fa tsa ho afampo.27Lehe tsa mihieno Anahy agnareo de eo aza reo raha reo, fa vona mandeha manohitsa Anahy hatragny agnareo,28 de handeha hanohitsa anareo hatragny amimpahasiahana Aho, sady hagnafay anareo im-pito avo heny mihoatsa nohon'ny fahotanareo.29Hihinana ny nofon'ny zanakareo lahy agnareo ; hihinana ny nofon'ny zakareo vavy agnareo.30 Hanadrava ny fitoeranareo ambony Aho, hanapaka ny alitara ny didikazo magnitsa, de hagnary ny fatinareo eo ambonin'ny fatin'ny sampinareo, de Iaho mihintsy ro hankahala anareo.31Hamadika ny tanànanareo ho faharavana Aho de handrava ny fitoeranareo masina. Tsa ho faly amin'ny hagnitsý ny fatinareo Aho.32 Handrava ny taninareo Aho. Ny fahavalonareo ze mitoatsa agny de ho gaga amin'ny faharavana.33 Hagnaparitaka anareo manerana ny tany Aho, de hanoaka ny sabatro sy hagnaraka anareo Aho. Havela eo ny taninareo, sady ho ravana.34De hahita ny sabatany tany mandritsy ny handreny ho lao sady ho ao amin'ny tanin'ny fahavalonareo agnareo. Mandritsa anizay fotoagna zay, hiegnina ny tany ko hitè ny Sabatany. 35Lehe vona matory ho lao zay, de hanagna fitsaharana, ze fitsaharana tsa hazany tamin'ny Sabatanareo, Sy efa mitoatsa ao agnareo,36 De ny amin'ny sasany aminareo ze navela agny amin'ny tanin'ny fahavalonareo, de handefa tahotsa ho amin'ny fonareo Aho ko nako de ravigna notsiofiny rivotsa aza de hanaitsa anareo, de de hilefa tahaka ny milefa sabatra agnareo. Higietraka agnao, neko de tsa misy na ia na ia mandodotsa anao aza.37Hasisiaka eo amin'ny tsirairay tahaka ny milefa sabatra agnareo, neko de tsa misy na ia na ia aza mandodotsa anareo. Tsa hanagna hery hitsanganana mandriny ny fahavalonareo agnareo.38 Ho maty agny amin'ny firenena agnareo. sady handrapaka anareo ny tanin'ny fahavalonareo.39 Reo ze sisa tavela de ho very ao agnatiny fahotan-dreo, ao amin'ny tanin'ny fahavalonareo, de nohon'ny heloky ny razamben-dreo de hihaosa reo.40Fa lehe magneky ny fahotany sy ny fahon'ny razambeny reo, sy ny famadihana ze tsa natokisana taminahy, sady ny fandihianana manohitsa Anahy__41 zay ro nahatonga Anahy hivadika amin-dreo de nitondrako an-dreo tagny amin'ny tanin'ny fahavalony---lehe mietry ny fo tsa voaforan-dreo, sady lehe magneky ny famaizako ho an'ny fahotany reo,42 de ho tsaroako ny fagnikeko niaraka tamin'ny Jakoba, de ny fagnikeko niaraka tamin'i Abrahama; ho tsaroako hiany koa ny tany.43Havelan-dreo ny tany, de ho faly miaraka amin'ny sabatany ze mandriatsa ny handreny ho lao tsa misy an-dreo. Ko tsyu maintsy hanohitsa ny otany reo satria reo mihintsy ro nandà ny fitsipiko sy nankahala ny lalàko.44Fa neko de eo aza zay aby zay, sy efa agny an-tanin'ny fahavalony reo, de tsa hagnary an-dreo Aho, na hankahala anazy ko handrava tanteraka sy hagnafoagna ny fagnikeko niaraka tamin-dreo, fa Iaho ro Yaveh Andriamagni-dreo. 45Fa ho tsaroako ho an-dreo ny fagnikeko ze nataoko tamin-dreo niaraka tamin'ny razamben-dreo, ze noferiko nienga hatagny amin'ny tany Egypta teo imason'ny firenena, mba ho Andriamagnin-dreo Aho.Iaho ro Yaveh.''46Reo ro didy, fitsipika, de lalàna ze nataon'i Yaveh teo Aminazy sy ny vahoakan'Israely tagny an-tendrombohits'i Sinay tamin'ny alalan'i Mosesy.
271Nitarogna tamin'i Mosesy Yaveh ko nanao hoe:2 "Mitarogna amin'i vahoakan'Israely ko lazao an-dreo hoe: 'Lehe misy ona manao voady miaraka amin'i Yaveh, de apesao ny btombam-bidy mifagnaraka amizay.3Ny fenitsy ny tombanao ho an'ny lahy manomboka amin'ny roapolo ko zizika amin'ny enipolo taogna de tsy maintsy sekely volafotsy dimapolo, araka ny sekely fitoerana masina.4 Ho an'ny vavy amizay taogna zay hiany de sekely telopolo ny fenitsy ny tombanao.5y fenitsy tombanao dimy ko hatramin'ny roapolo taogna de tsy maintsy sekely roapolo, de ho an'ny vavy de sekely folo. 6Ny fenitsy ny tombanao ho an'ny lahy ray volagna hatramin'ny dimy taogna de tsy maintsy sekely volafotsy dimy, de sekely volafotsy telo ho an'ny vavy.7Ny fenitsy ny tombanao ho an'ny lahy enipolo taogna ro ho miakatsa de tsy maintsy sekely dimy ambin'ny folo, de ho an'ny vavy sekely folo.8 Nefa lehe tsa afaka mandoa ny fenitsy ny tombagna ny ona manao voady, de tsy maintsy atoro agny amin'ny pisorogna ny ona atolotsa, de hanombagna zay ona zay amin'ny vidiny zanakiny manao voady ny pisorogna.9Lehe misy ona magniry hanao sorogna biby ho an'i Yaveh, de lehe ikien'i Yaveh zay, de ho voatokagna ho anazy zay biby zay.10 Aoka ny ona tsa hagnova na hamadika biby tahaka anizay, ny soa ho amin'ny ratsy ko ny ratsy ho amin'ny soa. Lehe mapifamadika biby hafa ho amin'ny biby raika hafa i, de samy ho masina zay na ny raika ze napifamadihina taminazy.11Fa zao, lehe ohatsa ko maloto ny nanaovana voady ho an'i Yaveh, mba tsa ho eken'i Yaveh zay, de tsy maintsy hitondra ny biby agny amin'ny pisorogna ny ona.12 Hanombagna anizay ny pisorogna, araka ny tombagna ivarotana ny biby. Na ina na ina tombagna apetraky ny pisorogna amin'ny biby,de zay ro ho tombany.13 Lehe magniry ny hagnonitsa anizay ny tompony de magnampy avo dimy heny ny tombam-bidiny ao amin'ny vidim-pagnavotana anizay.14Sy efa manokagna ny tragnon'ny fagnomezana masina ho an'i Yaveh ny lihilahy raika, de hanombagna anizay ny pisorogna na ho soa na ho ratsy. Na ina na ina anombagnany pisorogna anizay, de zay ro izy.15 Nefa lehe magniry ny hagnavotsa anizay ny tompony ze nanokagna ny fonegnany, de tsy maintsy magnampy raika apaha-diminy ao amin'ny idi-pagnavotana anizay i,ko ho anazy zay.16Lehe manokagna ny sasany amin'ny taniny hiany ny lihilahy raika, de ho arakaraka ny lanjan'ny voa ilaina ambolena amizay ro ho ho tombam-bidiny_vary Hordea raika homera ho tombagna sekely volafotsy dimapolo.17Lehe ohatsa ko manokagna ny sahany amin'ny taonjobily i, de hiegnina amizay hiany ny tombam-bidiny.18 Kanefa lehe manokagna ny sahany afaran'ny taon-jobily i, de aoka hokajian'ny ny pisorogna ny tomban'ny saha araka ny isan'ny taogna sisa man-drapiavin'ny taon-jobily magnaraka, de tsy maintsy hahegna ny tombanizay.19Lehe magniry hagnavotsa ny saha ny lihilahy ze nanokagna anizay, de tsy maintsy magnampy ny raika apahadimin'ny tombam-bidiny i, de ho anazy zay.20 Lehe tsa hagnavotsa ny saha kanefa i, na efa namidiny tamin'ny olok'afa ny saha, de tsa azo avotana koa zay. 21Fa zao, ny saha, sy efa avoaka amin'ny taon-jobily, de ho fagnomezana masina ho an'i Yaveh zay, tahaka ny saha ze efa natolotsa tanteraka ho an'i Yaveh. ho an'i pisorogna zay.22Lehe manokagna saha ze efa novidiany ny lihilahy raika, kanefa tsa anisany tanindrazagna zay saha zay, 23de vinavinainy pisorogna ny tombam-bidiny zay hatramin'ny taon-jobily, ko tsy maintsy aloany lihilahy ho fagnomezana masina ho an'i Yaveh ny tomban'izay amizay andro zay.24Amin'ny taon-jobily, de hipody agny amin'ny lihilahy ze nividianana anizay ny tany, agny amin'ny tompony tany. 25Ny tombambidy aby de tsy maintsy atao araka ny lanjan'ny sekelin'ny fitoerana masina. Tsy maintsy gera roapolo ro mifandraika amin'ny sekely raika.26Tsa misy mahazo manokagna ny voalohan-teraka amin'ny biby, satria ny voalohan-teraka de efa an'i Yaveh; 27Lehe ohatra ka biby maloto zay, de mahazo mividy anizay amin'ny tombam-bidiny ndraika ny tompony, de tsy maintsy magnampy ny raika apaha-dimin'ny ny tombanizay. Fa lehe tsa avotsa kosa ny biby, de ho amidy amin'ny tombany voatondro zay.28 tsa misy raha ze atokan'ny lihilahy raika ho an'i Yaveh, avy amize aby anagnany, na olombelogna na biby, na ny tanin-drazany, ko afaka amidy na avotana. ze aby natokagna de masina indrindra ho an'i Yaveh. 29 Tsa misy vidim-pagnavotana azo aloa ho an'ny ona ze voatokagna ho amin'ny faharavana. Tsy maintsy vonoana zay ona zay.30Ny apahafolon'ny vokatsa aby ny tany, na voly egny amin'ny tany zay na vokatsa avy amin'ny hazo, de an'i Yaveh. Masina ho an'i Yaveh zay.31 Lehe hagnavotsa ny ampahafolom-bokatsy ny lihilahy raika, de tsy maintsy magnampy avo dimy heny amin'ny tombani'zay i.32Lehe ny amin'ny ampahafolon'ny ômby na ondry, na ina na ina mandalo eo ambanin'ny tsorakazon'ny piandry ondry, na raika apahafolon'izay de tsy maintsy atokagna ho an'i Yaveh.33 Aoka tsa hitadia ny biby na soa na ratsy ny piandry, aoka i tsa hapifamadika anizay. Lehe ohatsa ka manakalo anizay i, de samy masina aby na zay na ny natakalony. Tsa azo avotana zay.' ''Reo aby ro didy ze nomen'i Yaveh hoan'i Mosesy ho an'ny vahoakan'Israelytagny an-Tendrombohitsa Sinay.