Malagasy, Plateau: Unlocked Literal Bible for Genesisy

Formatted for Translators

©2022 Wycliffe Associates
Released under a Creative Commons Attribution-ShareAlike 4.0 International License.
Bible Text: The English Unlocked Literal Bible (ULB)
©2017 Wycliffe Associates
Available at https://bibleineverylanguage.org/translations
The English Unlocked Literal Bible is based on the unfoldingWord® Literal Text, CC BY-SA 4.0. The original work of the unfoldingWord® Literal Text is available at https://unfoldingword.bible/ult/.
The ULB is licensed under the Creative Commons Attribution-ShareAlike 4.0 International License.
Notes: English ULB Translation Notes
©2017 Wycliffe Associates
Available at https://bibleineverylanguage.org/translations
The English ULB Translation Notes is based on the unfoldingWord translationNotes, under CC BY-SA 4.0. The original unfoldingWord work is available at https://unfoldingword.bible/utn.
The ULB Notes is licensed under the Creative Commons Attribution-ShareAlike 4.0 International License.
To view a copy of the CC BY-SA 4.0 license visit http://creativecommons.org/licenses/by-sa/4.0/
Below is a human-readable summary of (and not a substitute for) the license.
You are free to:
The licensor cannot revoke these freedoms as long as you follow the license terms.
Under the following conditions:
Notices:
You do not have to comply with the license for elements of the material in the public domain or where your use is permitted by an applicable exception or limitation.
No warranties are given. The license may not give you all of the permissions necessary for your intended use. For example, other rights such as publicity, privacy, or moral rights may limit how you use the material.

Genesisy

1

1Tany am-boalohany, Andriamanitra nahary ny lanitra sy ny tany. 2Tsy nisy endriny ary foana ny tany. Nandrakotra ny rano lalina ny fahamaizinana. Ary nivezivezy teo ambonin'ny rano ny Fanahin' Andriamanitra.

3Hoy Andriamanitra hoe: "Aoka hisy mazava," dia nisy ny mazava. 4Hitan'Andriamanitra ny fahazavana, ary hitany fa tsara izany. Nampisaraka ny hazavana tamin'ny aizina Izy. 5Andriamanitra niantso ny mazava hoe: "andro," ary niantso ny maizina hoe: "alina." Dia nisy hariva sy maraina izany, ny andro voalohany.
6Hoy Andriamanitra hoe: "Aoka hisy habakabaka eo anelanelan'ny rano, ary aoka izany hanasaraka ny rano amin'ny rano." 7Andriamanitra nanao ny habakabaka sy nanasaraka ny rano izay tao ambanin'ilay habakabaka tamin'ny rano izay teo ambonin'ilay habakabaka. Dia nisy izany. 8Ary nantsoin'Andriamanitra hoe: "lanitra" ilay habakabaka. Dia nisy hariva sy maraina izany, ny andro faharoa.
9Hoy Andriamanitra hoe: "Aoka ny rano ambanin'ny lanitra hiangona amin'ny toerana iray, ary aoka hiseho ny tany maina." Dia natao izany. 10Nantsoin'Andriamanitra hoe: "tany" ny tany maina, ary ny rano miangona nataony hoe: "ranomasina." Hitany fa tsara izany.
11Hoy Andriamanitra hoe: "Aoka ny tany hitsimoka zava-maitso: zava-maniry mamoa voa ary hazo hamokatra vokatra izay misy ny voa ao aminy, araka ny karazany avy." Dia nisy izany. 12Namokatra zava-maitso ny tany, ny zava-maniry mamoa voa araka ny karazany avy, ary ny hazo mamokatra voankazo izay ao aminy ny voany, araka ny karazany avy. Dia hitan'Andriamanitra fa tsara izany. 13Dia nisy hariva sy maraina izany, ny andro fahatelo.
14Hoy Andriamanitra hoe: "Aoka hisy ny mazava eo amin'ny lanitra mba hanasaraka ny andro amin'ny alina ary aoka ireo ho toy ny famantarana, ho an'ny vanim-potoana, sy ho an'ireo andro ary ireo taona. 15Aoka ireo ho mazava eo amin'ny lanitra mba hanome hazavana eny amin'ny tany." Dia nisy izany.
16Andriamanitra nanao ireo hazavana roa lehibe, ilay hazavana lehibe kokoa mba hanamarika ny andro, ary ny hazavana kelikely kokoa mba hanamarika ny alina. Nanao ny kintana ihany koa Izy. 17Nandefa izany teny amin'ny lanitra Andriamanitra mba hanome hazavana ny tany, 18mba hanapaka ny andro sy ny alina, ary mba hanasaraka ny hazavana amin'ny aizina. Hitan'Andriamanitra fa tsara izany. 19Dia nisy hariva sy maraina izany, ny andro faha-efatra.
20Hoy Andriamanitra hoe: "Aoka ho feno zava-manan'aina maro an'isa ny rano, ary aoka ny vorona hanidina ambonin'ny tany eny amin'ny habakabaky ny lanitra." 21Andriamanitra namorona ireo bibin-dranomasina vaventy, ary koa ireo karazan-java-manan'aina rehetra, ireo zava-manan'aina mihetsika sy izay mameno ny rano eny rehetra eny, ary ireo karazana voro-manan'elatra rehetra. Hitan'Andriamanitra fa tsara izany.
22Nitso-drano azy ireo Andriamanitra, nanao hoe: "Miteraha maro ary mihamaroa, ka mamenoa ny rano ao amin'ny ranomasina. Aoka hihamaro eny ambonin'ny tany ireo vorona." 23Dia nisy hariva sy maraina izany, ny andro fahadimy.
24Hoy Andriamanitra hoe: "Aoka ny tany hamokatra zava-manan'aina, araka ny karazany avy, ireo biby fiompy, zava-mandady, sy bibi-dian'ny tany, araka ny karazany avy." Dia nisy izany. 25Nataon'Andriamanitra araka ny karazany avy ireo bibi-dian'ny tany, ireo biby fiompy araka ny karazany avy, ary ireo zavatra rehetra izay mikisaka amin'ny tany araka ny karazany avy. Hitany fa tsara izany.
26Hoy Andriamanitra hoe: "Andeha isika hamorona olona amin'ny endritsika, tahaka antsika. Aoka izy ireo hanjaka eo amin'ireo hazan-dranomasina, eo amin'ireo voron'ny lanitra, eo amin'ireo biby fiompy, manerana ny tany rehetra, ary eo amin'ireo zavatra mikisaka rehetra izay mandady eny ambonin'ny tany." 127Andriamanitra namorona ny olona araka ny endriny. Tamin'ny endriny manokana no namoronany azy. Lahy sy vavy no namoronany azy ireo.
28Nitso-drano azy ireo Andriamanitra ka nilaza tamin'izy ireo hoe: "Miteraha maro, ary mihamaroa. Mamenoa ny tany, ary hanjakao izany. Manàna fanjakana eo amin'ireo hazan-dranomasina, eo amin'ireo voron'ny habakabaka, ary eo amin'ireo zava-manan'aina rehetra izay mihetsika eny ambonin'ny tany." 29Hoy Andriamanitra hoe: "Indro, efa nomeko anareo ny zava-maitso rehetra mamoa voa izay eto ambonin'ny tany rehetra, ary ny hazo rehetra izay mamokatra voa ao aminy. Ho fihinanareo ireny.
30Ho an'ny bibi-dian'ny tany, ho an'ireo voron'ny habakabaka, sy ho an'ireo zavatra rehetra izay mikisaka amin'ny tany, ary ho an'ireo zava-manan'aina izay manana fofon'aina eto an-tany no nanomezako ny zava-maitso rehetra ho fihinana." Dia nisy izany. 31Hitan'Andriamanitra ireo zava-drehetra izay nataony. Indro, tena tsara izany. Dia nisy hariva sy maraina izany, ny andro faha-enina.


1Fanamarihana: ireo dikan-teny sasany taloha manao hoe: "Eo amin'ireo biby fiompy, eo amin'ireo bibin'ny tany rehetra, ary eo amin'ireo zavatra mikisaka rehetra izay mandady eny ambonin'ny tany."

2

1Ary dia vita ny lanitra sy ny tany, sy ny zava-manan'aina rehetra izay mameno azy. 2Tamin'ny andro fahafito Andriamanitra dia efa hamarana ny asany izay nataony, ka noho izany dia nitsahatra tamin'ny asany rehetra Izy tamin'ny andro fahafito. 3Notahin'Andriamanitra ny andro fahafito ary nanamasina izany, satria tamin'izany no nitsaharany tamin'ny asa rehetra izay nataony tamin'ny famoronany.

4Ireto ny tranga mahakasika ny lanitra sy tany, rehefa nohariana izany, tamin'ny andro izay namoronan'i Yaveh Andriamanitra ny tany sy lanitra. 5Tsy mbola nisy ny kirihitrin'ny saha teny amin'ny tany, ary tsy mbola nitsimoka ny zava-maniry teny an-tsaha, satria Yaveh Andriamanitra tsy mbola nandatsaka orana tamin'ny tany, ary tsy nisy olona niasa tany. 6Fa nisy zavona avy tamin'ny tany ka nandena ny velaran'ny tany rehetr.
7Namolavola ny olona avy tamin'ny vovon-tany i Yaveh Andriamanitr, ary nofofoiny tamin'ny fofon'ain'ny fahavelomana ny vavorony, ka tonga olombelona. 8Yaveh Andriamanitra nanamboatra saha tao atsinanana, tao Edena, ary napetrany tao ny olona izay novolavolainy.
9Tambonin'ny tany no nampanirin'i Yaveh Andriamanitra ny hazo rehetra izay hita fa mahafinaritra ny maso sady tsara ho amin'ny sakafo. Anisan'izany ny hazon'aina izay teo afovoan'ny saha, sy ny hazon'ny fahalalana ny tsara sy ny ratsy. 10Nisy ony nivoaka avy ao Edena nanondraka ny saha. Nizarazara avy tany izany ka tonga ony efatra.
11Pisona no anaran'ilay vohalohany. Izy irery ihany no mikoriana manodidina ilay tany rehetran'i Havila, izay misy volamena. 12Tsara ny volamenan'izany tany izany. Misy bedola sy vato berila ihany koa.
13Gihona no anaran'ilay ony faharoa. Izy io dia mikoriana manerana ny tany Kosy. 14Ny anaran'ilay ony fahatelo dia Tigra, izay mikoriana atsinanan'i Asyria. Eofrata ny ony faha-efatra.
15Nalain'i Yaveh Andriamanitra ralehilahy ary nametraka azy tao amin'ny saha Edena mba hiasa sy hihazona izany. 16Nandidy an-dralehilahy Yaveh Andriamanitra, nanao hoe: "Avy amin'ny hazo rehetra any amin'ny saha dia azonao hihinana. 17Fa avy amin'ilay hazon'ny fahalalana ny tsara sy ratsy kosa no tsy azonao hihinana, fa amin'ny andro hihinananao avy amin'izany, dia ho faty tokoa ianao."
18Avy eo Yaveh Andriamanitra niteny hoe: "Tsy tsara raha irery ralehilahy. Hanamboarako namana sahaza azy izy." 19Avy amin'ny tany no nanamboaran'i Yaveh Andriamanitra ny bibin'ny saha rehetra sy ny voron'ny habakabaka rehetra. Ary nentiny teo amin-dralehilahy izy rehetra mba hahitany izay mety hiantsoany azy. Na inona na inona niantsoan-dralehilahy ny zava-manan'aina tsirairay, dia izany no anarany. 20Nomen-dralehilahy anarana daholo ny biby fiompy, ny voro-manidina rehetra eny amin'ny habakabaka, ary ny bibidian'ny saha. Nefa tsy nahitàna namana sahaza azy ralehilahy.
21Nampatorian'i Yaveh Andriamanitra lalina ralehilahy, ka dia natory ralehilahy. Naka iray tamin'ny taolan-tehezany i Yaveh Andriamanitra ary nanakatona ny nofo izay nakany ilay taolan-tehezana. 22Tamin'ilay taolan-tehezana izay nalain'i Yaveh Andriamanitra tamin-dralehilahy, no nanamboarany vehivavy iray sy nitondràna azy teo amin-dralehilahy. 23Hoy ralehilahy hoe: "Izao kosa, dia taolana avy amin'ny taolako ity, ary nofo avy amin'ny nofoko. Hantsoina hoe 'Vehivavy' izy, satria nalaina avy tamin'ny lehilahy."
24Noho izany handao ny rainy sy ny reniny ny lehilahy, hikambana amin'ny vadiny izy, ary ho tonga nofo iray izy ireo. 25Samy nitanjaka izy ireo, ralehilahy sy ny vadiny, fa tsy nahalala menatra.

3

1Ary ny menarana dia malina kokoa noho ny bibidia rehetra teo amin'ny saha izay namboarin'i Yaveh Andriamanitra. Ary hoy izy tamin-dravehivavy hoe: "Tena nilaza tokoa ve Andriamanitra hoe: 'Tsy azonareo hihinanana ny hazo rehetra ao amin'ny saha?'" 2Dia hoy ravehivavy tamin'ilay menarana hoe: "Azonay hihinanana ny voan'ny hazo ao an-tsaha, 3fa mahakasika ny hazo izay eo afovoan'ny saha kosa, dia hoy Andriamanitra hoe: 'Tsy azonareo atao ny mihinana izany, na mikasika izany, fandrao ho faty ianareo.'"

4Hoy ilay menarana tamin-dravehivavy hoe: "Tsy ho faty izany ianareo. 5Fa fantatr'Andriamanitra fa amin'ny andro hihinananareo izany dia hahiratra ny masonareo, ary hitovy amin'Andriamanitra ianareo, mahalala ny tsara sy ny ratsy." 6Rehefa hitan-dravehivavy fa tsara ho hanina ny hazo, sady nahafinaritra ny maso, ary ilay hazo dia nampitsiriritra fa mampahendry, dia naka ny sasany tamin'ny voany izy ka nihinana izany. Avy eo dia notolorany ihany koa ny vadiny izay niaraka taminy, ka nihinana izy.
7Nahiratra ny mason'izy ireo, ka dia fantatr'izy ireo fa nitanjaka izy ireo. Nanjaitra ravin'aviavy nakambana izy ireo ary nanamboatra fitafy ho an'ny tenany. 8Nandre ny feon'i Yaveh Andiamanitra nandehandeha tao amin'ny saha izy ireo raha malomaloka iny ny andro, ka dia niery ny fanatrehan'i Yaveh Andriamanitra teo amin'ireo hazon'ny saha ralehilahy sy ny vadiny.
9Niantso an-dralehilahy Yaveh Andriamanitra ka nanao taminy hoe: "Aiza ianao?" 10Hoy ralehilahy hoe: "Nandre Anao tao an-tsaha aho, ka natahotra aho, satria nitanjaka. Noho izany dia niafina aho." 11Hoy Andriamanitra hoe: "Iza no nilaza taminao fa nitanjaka ianao? Moa ve ianao nihinana avy tamin'ilay hazo izay nandidiko anao tsy hihinànana?"
12Hoy ralehilahy hoe: "Ny vehivavy izay nomenao hiaraka amiko, izy no nanome ahy ny voa avy tamin'ilay hazo, ka nihinana izany aho." 13Ary hoy Yaveh Andriamanitra tamin-dravehivavy hoe: "Inona izao nataonao izao?" Ravehivavy nanao hoe: "Nandainga tamiko ny menarana, ka dia nihinana aho."
14Dia hoy Yaveh Andriamanitra tamin'ilay menarana hoe: "Satria nanao izao ianao, dia ianao irery no voaozona amin'ny biby fiompy sy ny bibi-dian'ny saha rehetra. Amin'ny kibonao no handehananao, ary vovoka no ho fihinanao amin'ny andro rehetra hiainanao. 15Hasiako fifandrafiana eo aminao sy ny vehivavy, ary eo amin'ny taranakao sy ny taranany. Hanorotoro ny lohanao izy, ary ianao kosa hanorotoro ny ombelahin-tongony."
16Dia hoy Izy tamin-dravehivavy hoe: "Hampitomboiko ny fanaintainanao raha miteraka; amin'ny fanaintainana no hiterahanao ireo zanakao. Ny fanirianao dia ho an'ny vadinao, fa izy kosa hanapaka eo aminao."
17Dia hoy Izy tamin'i Adama hoe: "Satria nihaino ny feon'ny vadinao ianao, ary nihinana tamin'ny hazo, momba izay nandidiko anao, manao hoe: 'Tsy azonareo hihinanana izany,' dia voaozona ny tany noho ny aminao; amin'ny alalan'ny asa feno fanaintainana no hihinananao avy amin'izany amin'ny andro rehetra hiainanao. 18Hamokatra tsilo sy songosongo ho anao izany, ary hihinana ireo zava-manirin'ny saha ianao. 19Amin'ny hatsembohan'ny tavanao no hihinananao mofo, mandram-piverinao amin'ny tany, fa avy amin'izany no nakana anao. Fa vovoka ianao, ary mbola hody vovoka indray."
20Eva no nataon-dralehilahy anaram-badiny satria izy no renin'ny manan'aina rehetra. 21Dia nanamboaran'i Yaveh Andriamanitra akanjo hoditra i Adama sy ny vadiny ka nampitafy azy ireo.
22Dia hoy Yaveh Andriamanitra hoe: "Ankehitriny dia efa tonga tahaka ny anankiray amintsika ralehilahy, mahalala ny tsara sy ny ratsy. Koa ankehitriny dia tsy azony atao ny mampitsotra ny tanany, maka avy eo amin'ny hazon'aina, hihinana izany, ka ho velona mandrakizay. 23Ka noho izany dia noroahin'i Yaveh Andriamanitra hiala tao amin'ny saha Edena izy, mba hiasa ny tany izay nakana azy. 24izany dia noroasin'Andriamanitra hiala ny saha ralehilahy, ary nametraka kerobima teo atsinanan'ny saha Edena Izy, ary sabatra mirehitr'afo izay mihodikodina, mba hiambina ny lalana mankany amin'ny hazon'aina.

4

1Niara-nandry tamin'i Eva vadiny ralehilahy. Nitoe-jaza izy ary niteraka an'i Kaina. Hoy izy hoe: "Nahazo zazalahy aho noho ny fanampian'i Yaveh." 2Avy eo dia niteraka an'i Abela rahalahiny indray izy. Ary Abela lasa mpiandry ondry, fa i Kaina kosa namboly ny tany.

3Rehefa nandeha ny fotoana dia nitondra sasany tamin'ny vokatry ny tany ho fanatitra ho an'i Yaveh i Kaina. 4Ny an'i Abela, dia ny sasany tamin'ny voalohan-janak'ondry aman'osiny sy ireo efa matavy no nentiny. Nankasitrahan'i Yaveh i Abela sy ny fanatiny, 5fa i Kaina sy ny fanatiny kosa dia tsy nankasitrahany. Ka dia tezitra mafy i Kaina, ary vinitra izy.
6Hoy Yaveh tamin'i Kaina hoe: "Nahoana ianao no tezitra ary nahoana no vinitra? 7Raha manao izay marina ianao, tsy ho hankasitrahana ve? Fa raha tsy manao izay marina ianao, dia hamitsaka eo ambaravarana ny ota ary maniry ny hibaiko anao, kanefa tsy maintsy manapaka eo amin'izany ianao.
8Niresaka tamin'i Abela rahalahiny i Kaina. Raha tany an-tsaha iny izy ireo, dia nitsangana hanohitra ny rahalahiny i Kaina ary namono azy. 19Avy eo hoy Yaveh tamin'i Kaina hoe: "Aiza i Abela rahalahinao?" Hoy izy hoe: "Tsy fantatro. Moa mpiandry ny rahalahiko ve aho?"
10Hoy Yaveh hoe: "Inona ity nataonao? Ny ràn'ny rahalahinao dia miantso Ahy mafy avy amin'ny tany. 11Ankehitriny dia voaozona izay avy amin'ny tany, izay nanokatra ny vavany mba hitelina ny ràn'ny rahalahinao avy amin'ny tananao ianao. 12Raha miasa tany ianao, dia tsy hamokatra ho anao izany manomboka izao. Ho mpanjenjena sy mpirenireny eny amin'ny tany ianao."
13Hoy Kaina tamin'i Yaveh hoe: "Mafy mihoatra noho izay tokony ho zakako ny saziko. 14Noroahinao tamin'ity tany ity tokoa aho androany, ary hiafina amin'ny tavanao aho. Ho lasa mpanjenjena sy mpirenireny amin'izao tontolo izao aho, ary na iza na iza mahita ahy dia hamono ahy." 15Hoy Yaveh taminy hoe: "Raha misy mamono an'i Kaina, dia ho valiana im-pito heny aminy izany." Avy eo nasian'i Yaveh famantarana i Kaina, ka raha misy mahita azy, dia tsy hamely azy izany olona izany.
16Ka nandao an'i Yaveh i Kaina ary nonina tany amin'ny tanin'i Noda, any atsinanan'i Edena. 17Niara-nandry tamin'ny vadiny i Kaina ka nitoe-jaza izy. Niteraka an' i Enoka izy. Nanorina tanàna izy ary nataony hoe Enoka araka ny anaran'i Enoka zanany lahy izany.
18Enoka niteraka an'i Irada. Irada tonga rain'i Mehojaela. Mehojaela niteraka an'i Metosaela. Metosaela niteraka an'i Lameka. 19Lameka nanana vady roa ho azy: Ada no anaran'ny anankiray, ary Zila no anaran'ilay iray hafa.
20Ada niteraka an'i Jabala. Rain'ireo mpitoetra an-day izay manana biby fiompy izy. 21Jobala no anaran'ny rahalahiny. Rain'ny ireo mpitendry lokanga sy mpitsoka sodina izy. 22Ary Zila kosa, niteraka an'i Tobala Kaina, mpanefy fitaovana varahina sy vy. Nama no anabavin'i Tobala Kaina.
23Hoy Lameka tamin'ireo vadiny hoe: "Ry Ada sy Zila, mihainoa ny feoko; ianareo ry vadin'i Lameka, henoy izay lazaiko, efa namono lehilahy iray aho nohon'ny fandratrana ahy, ary tovolahy iray noho ny fanorotoroana ahy. 24Raha valiana fito heny izay mamono an'i Kaina, dia fito amby fitopolo heny kosa ny an'i Lameka."
25Ary niara-nandry tamin'ny vadiny indray Adama, ka niteraka zazalahy hafa izy. Niantso ny anarany hoe Seta izy ary niteny hoe: "Nomen'Andriamanitra zanaka hafa ho solon'i Abela aho, satria novonoin'i Kaina izy. 26Niteraka zazalahy i Seta ary nataony hoe Enosy ny anarany. Tamin'izany fotoana izany dia nanomboka niantso ny anaran'i Yaveh ny olona.


1Fanamarihana: ireo dika mitovy tsara indrindra taloha dia mivaky toy io. Kanefa, ny fandikan-teny sasany taloha sy ny fandikan-teny sasany taty aoriana dia mivaky toy izao: "Hoy Kaina tamin'i Abela rahalahiny hoe: "Andeha isika ho any an-tsaha." raha tany an-tsaha iny izy ireo, dia nijoro hanohitra an'i Abela rahalahiny i Kaina ary namono azy."

5

1Ity no mirakitra ny taranak'i Adama. Tamin'ny andro namoronan'Andriamanitra ny olombelona, dia nataony araka ny endriny ihany izy ireo. 2Lahy sy vavy no nahariany azy ireo. Nitso-drano azy ireo Izy ary niantso azy hoe olombelona rehefa voaforona izy ireo.

3Rehefa niaina 130 taona i Adama, dia tonga rain'ny zazalahy iray, araka ny endriny ihany, ary nataony hoe Seta ny anarany. 4Taorian'ny niterahan'i Adama an'i Seta, dia niaina nandritry ny valonjato taona izy. Tonga rain'ny zaza lahy sy zanaka vavy maro izy. 5Niaina 930 taona i Adama, ary maty taorian'izay.
6Rehefa niaina 105 taona i Seta, dia niteraka an'i Enosy. 7Taorian'ny niterahany an'i Enosy, dia niaina 807 taona izy ary niteraka zanaka lahy sy zanaka vavy maro. 8Niaina 912 taona i Seta, ary maty taorian'izay.
9Rehefa niaina sivy folo taona i Enosy, dia niteraka an'i Kenana. 10Taorian'ny niterahany an'i Kenana, dia niaina 815 taona i Enosy. Niteraka zanaka lahy sy zanaka vavy maro izy. 11Niaina 915 taona i Enosy, ary maty taorian'izay.
12Rehefa niaina fitopolo taona i Kenana, dia niteraka an'i Mahalalila. 13Taorian'ny niterahany an'i Mahalalila, dia niaina 840 taona i Kenana. Niteraka zanaka lahy sy zanaka vavy maro izy. 14Niaina 910 taona i Kenana, ary maty taorian'izay.
15Rehefa niaina dimy amby enimpolo taona i Mahalalila, dia niteraka an'i Jareda. 16Taorian'ny niterahany an'i Jareda, dia niaina 830 taona izy. Niteraka zanaka lahy sy zanaka vavy maro izy. 17Niaina 895 taona i Mahalalila, ary maty taorian'izay.
18Rehefa niaina 162 taona i Jareda, dia niteraka an'i Enoka. 19Taorian'ny niterahany an'i Enoka, dia niaina valonjato taona izy. Niteraka zanaka lahy sy zanaka vavy maro izy. 20Niaina 962 taona i Jareda, ary maty taorian'izay.
21Rehefa niaina dimy amby enimpolo taona i Enoka, dia niteraka an'i Metosela. 22Nandeha tamim-pombàn'Andriamanitra nandritry ny telonjato taona i Enoka taorian'ny niterahany an'i Metosela. Niteraka zanaka lahy sy zanaka vavy maro izy. 23Niaina 365 taona i Enoka. 24Nandeha tamim-pombàn'Andriamanitra i Enoka, ary lasana izy, satria nalain'Andriamanitra.
25Rehefa niaina 187 taona i Metosela, dia niteraka an'i Lameka. 26Taorian'ny niterahany an'i Lameka, dia niaina 782 taona i Metosela. Niteraka zanaka lahy sy zanaka vavy maro izy. 27Niaina 969 taona i Metosela. Ary maty izy taorian'izay.
28Rehefa niaina 182 taona i Lameka, dia niteraka zanaka lahy iray. 29Nantsoiny hoe Noa ny anarany, ary nambarany hoe: "Ity no hanome fitsaharana ho antsika amin'ny asantsika sy amin'ny asa mafy ataon'ny tanantsika, izay tsy maintsy hataontsika noho ny tany izay nozonin'i Yaveh."
30Niaina 595 taona i Lameka taorian'ny niterahany an'i Noa. Niteraka zanaka lahy sy zanaka vavy maro izy. 31Niaina 777 taona i Lameka. Taorian'izay dia maty izy.
32Rehefa niaina dimanjato taona i Noa, dia niteraka an'i Sema, Hama sy Jafeta.

6

1Rehefa nanomboka nihamaro teto an-tany ny olombelona ary niteraka zazavavy maro, 2dia hitan'ny zanak'Andriamanitra fa maha-te ho tia ny zanaka vavin'ny olombelona. Naka vady ho azy izy ireo, na iza na iza nosafidiany tamin'izy ireo. 3Hoy Yaveh hoe: "Tsy hitoetra amin'ny olombelona mandrakizay ny fanahiko, satria nofo izy ireo. Hiaina mandritry ny 120 taona izy ireo."

4Teto ambonin'ny tany ny olona goavana tamin'izany andro izany, ary taorian'izany ihany koa. Izany no nitranga rehefa nanambady ireo zanaka vavin'ny olombelona ireo zanak'Andriamanitra, ary niteraka tamin'izy ireo. Ireo no lehilahy mahery taloha, lehilahy nanana laza.
5Hitan'i Yaveh fa lehibe ny faharatsian'ny olombelona teto an-tany, ary ny fironan'ny fisainana rehetra tao am-pon'izy ireo dia ratsy hatrany. 6Nanenina tamin'ny nahariany ny olombelona teo an-tany Yaveh, ary nahasosotra ny fony izany.
7Koa hoy Yaveh hoe: "Haringako hiala eo ambonin'ny tany ny olombelona izay nohariako; na ny olombelona na ireo biby vaventy, sy ireo zavatra mikisaka ary ireo voron'ny habakabaka, satria nanenina Aho namorona azy ireo." 8Fa Noa kosa nahita sitraka teo imason'i Yaveh.
9Izao no tantara mahakasika an'i Noa. Noa dia lehilahy marina, ary tsy nisy tsiny teo amin'ny olona tamin'ny androny. Noa dia nandeha niaraka tamin'Andriamanitra. 10Niteraka zanaka lahy telo i Noa: Sema, Hama, sy Jafeta.
11Simba teo anatrehan'Andriamanitra ny tany, ary feno herisetra izany. 12Hitan'Andriamanitra ny tany; ary indro, simba izany, satria nanimba ny lalan'izy ireo teo ambonin'ny tany ny nofo rehetra.
13Hoy Andriamanitra tamin'i Noa hoe: "Hitako fa fotoana hamotehana ny nofo rehetra izao, satria feno herisetra amin'ny alalan'izy ireo ny tany. Haringako miaraka amin'ny tany tokoa izy ireo. 14Manaova sambo-fiara vita amin'ny hazo kypreso ho an'ny tenanao. Asio efitra ao anatin'ilay sambo-fiara, ary asio dinty ao anatiny sy ivelan'izany. 15Izao no fomba hanaovanao izany: telonjato hakiho ny halavan'ny sambo-fiara, dimampolo hakiho ny sakany, ary telopolo hakiho ny haavony.
16Asio tafo ny sambo-fiara, ary vitao amin'ny hakiho iray avy any ambony izany. Asio varavarana ny ilan'ilay sambo-fiara ary asio tokotanin-tsambo ambany, faharoa sy fahatelo. 17Mihainoa, efa mby hitondra ilay safo-drano eny ambonin'ny tany Aho, mba hamotika ny nofo rehetra izay manana ny fofon'aina ambanin'ny lanitra ao aminy. Ho faty avokoa ny zavatra rehetra eny ambonin'ny tany.
18Kanefa hanorina ny fanekeko aminao Aho. Ho avy ao amin'ilay sambo-fiara ianareo, ianao, sy ireo zanakao lahy, ary ny vadinao, sy ireo vinantovavinao. 19Amin'ny zava-manan'aina rehetra amin'ny nofo rehetra, dia tsy maintsy hitondranao roa avy amin'ny karazany rehetra mankao anaty sambo-fiara, mba hihazonana azy ireo ho velona miaraka aminao, na lahy na vavy.
20Ireo vorona samy araka ny karazany avy, ary ny biby vaventy samy araka ny karazany avy, ny zavatra mikisaka amin'ny tany rehetra samy araka ny karazany avy, dia hanatona anao avokoa ny roa amin'ny karazany rehetra, velomy izy ireo. 21Hangony ho anao avokoa ny karazan-tsakafo rehetra izay fihinana ary tehirizo izany, mba ho sakafonao sy ho azy ireo." 22Ka dia nataon'i Noa izany. Araka izay rehetra nandidian'Andriamanitra no nanaovany azy.

7

1Ary Yaveh nilaza tamin'i Noa hoe: "Midira ao amin'ilay sambo-fiara ianao sy ny ankohonanao, satria ianao no olona hitako fa marina eo anatrehako amin'ity taranaka ity. 2Ny amin'ny biby madio rehetra dia hitondranao fito lahy sy fito vavy. Ary ny amin'ireo biby tsy madio, dia maka roa isany avy, lahy sy vavy. 3Ny amin'ireo voron'ny habakabaka ihany koa, dia maka fito lahy sy fito vavy, ho fitandrovana ny taranany ety ambonin'ny tany.

4Aorian'ny fito andro dia handefa orana mikija mandritra ny efapolo andro sy efapolo alina Aho. Haringako daholo ireo zava-manan'aina nohariako teto ambonin'ny tany." 5Dia nataon'i Noa izay rehetra nandidian'i Yaveh az.
6Eninjato taona i Noa tamin'ny fotoana nahatongavan'ny safo-drano teto an-tany. 7Noa, ireo zanany lahy, ny vadiny, ary ireo vinanto vaviny dia niara-niditra tao anaty sambo-fiara nohon'ny ranon'ny safo-drano.
8Ireo biby madio sy ireo biby maloto, ireo vorona, ary ireo zavatra rehetra mandady amin'ny tany, 9dia tonga tsiroaroa, lahy sy vavy, nankeo amin'i Noa ary niditra tao amin'ny sambo-fiara, araka ny efa nandidian'Andriamanitra an'i Noa. 10Ary fito andro taty aoriana, dia nanomboka nirotsaka ny orana ka safotry ny rano ny tany.
11Tamin'ny faha eninjato taona niainan'i Noa, volana faharoa, andro faha fito ambin'ny folon'ny volana, tamin'io andro io ihany, dia nipoitra ireo loharano lalina rehetra ambanin'ny tany, ary nisokatra ireo varavarakelin'ny lanitra. 12Nanomboka nikija nandritrin'ny efapolo andro sy efapolo alina ny orana teto ambonin'ny tany.
13Tamin'io andro io ihany i Noa sy ireo zanany lahy, Sema, Hama, sy Jafeta, ary ny vadin'i Noa, sy ireo vinanto vaviny telo niaraka amin'izy ireo, dia niditra tao anatin'ilay sambo-fiara. 14Ary izy ireo niditra niaraka tamin'ireo bibi-dia rehetra samy amin'ny karazany avy, sy ny biby fiompy samy araka ny karazany avy, sy ny zavatra mikisaka amin'ny tany samy araka ny karazany avy, ary ny karazam-borona rehetra samy araka ny karazany avy, sy ireo zava-manan'aina manan'elatra tsirairay araka ny karazany avy.
15Tonga tsiroaroa teo amin'i Noa ireo biby rehetra manam-pofon'aina isaky ny karazany avy ary niditra tao amin'ilay sambo-fiara. 16Ireo biby izay niditra tao dia lahy sy ny vavy isakin'ny karazany avy; niditra tao izy ireo araka izay nandidian'Andriamanitra azy. Avy eo Yaveh nanidy ny vavarana rehefa tafiditra izy ireo.
17Avy eo dia tonga teto an-tany nandritrin'ny efapolo andro ny safo-drano, ary nitombo ny rano ka nanainga ilay sambo-fiara sy nampiakatra izany ho eo ambonin'ny tany. 18Rakotra rano tanteraka ny tany, ka nitsingevana teny ambony rano ilay sambo-fiara.
19Nisondrotra be teo amin'ny tany ny rano ka rakotra avokoa ireo tendrombohitra avo rehetra ambanin'ny lanitra. 20Nihoatra dimy ambin'ny folo hakiho tamin'ny tampon'ny tendrombohitra ny rano.
21Maty avokoa ireo zava-manan'aina rehetra izay nirenireny tety ambony tany: ireo vorona, ireo biby fiompy, ireo bibi-dia, sy ireo zava-manan'aina maro izay niaina tety an-tany, ary ny olombelona rehetra. 22Ireo zava-manan'aina rehetra niaina teto ambonin'ny tany, izay miaina ny fofon'aina amin'ny vavorony, dia maty.
23Noho izany dia ringana avokoa ireo zava-manan'aina rehetra tety ambony tany, hatramin'ny olombelona ka hatramin'ny biby fiompy, sy ireo biby mikisaka, ary ny voron'ny habakabaka. Ringana tety ambony tany avokoa izy rehetra. Noa sy ireo izay niaraka taminy tao anatin'ilay sambo-fiara no sisa tavela. 24Tsy nihena tambonin'ny tany nandritran'ny dimampolo amby zato andro ilay rano.

8

1Ary Andriamanitra nahatsiaro an'i Noa, ireo bibi-dia rehetra, ary ny biby fiompy rehetra izay niaraka taminy tao anatin'ilay sambo-fiara. Nampitsoka rivotra eran'ny tany Andriamanitra, ka dia nanomboka nihena ny rano. 2Nakatona ny loharanon'ny lalina sy ny varavarakelin'ny lanitra, ary nitsahatra ny ranon'orana. 3Nihena tsikelikely ny ranon'ny safo-drano, ary rehefa afaka dimampolo amby zato andro dia nihena ny rano.

4Dia niantsona teo amin'ny tendrombohitr'i Aratata ny sambo-fiara tamin'ny volana faha-fito, tamin'ny andro faha-fito ambin'ny folon'ny volana. 5Nihena hatrany ny rano hatramin'ny volana faha-folo. Tamin'ny andro voalohan'ny volana, dia niseho ny tampon'ny tendrombohitr.
6Ary rehefa afaka efapolo andro dia novohain'i Noa ny varavarakelin'ny sambo-fiara izay namboariny. 7Ary nandefa goaika anankiray tany ivelany izy, ary niverimberina nanidina izany ambara-pahamainan'ny rano tamin'ny tany.
8Ary nandefa voromailala izy hizaha raha efa ritra ny rano tambonin'ny tany, 9fa tsy nahita toerana nametrahany ny tongony ilay voromailala ka niverina tany aminy tao anatin'ilay sambo fiara satria mbola nandrakotra ny tany manontolo ny rano. Ary naninjitra ny tanany izy, ka nandray ilay voromailala ary nampiditra azy tao anaty sambo-fiara niaraka taminy.
10Ary mbola niandry hafitoana indray izy ka nandefa ilay voromailala avy tao anaty sambo-fiara. 11Niverina teo aminy ilay voromailala nony hariva. Indro! nisy ravin'oliva maitso vao notangosana teo ambavan'ilay voromailala. Koa dia fantatr'i Noa fa efa nidina ny rano tambonin'ny tany. 12Mbola niandry hafitoana, izy ka namoaka ilay voromailala indray. Tsy niverina teo aminy intsony ilay vorona.
13Tamin'ny faha-iraika amby eninjato taona, tamin'ny volana voalohany, tamin'ny andro voalohan'ny volana, no ritra ny rano teo ambonin'ny tany. Nesorin'i Noa ny tafon'ilay sambo-fiara, nijery tany ivelany, ary nahita fa, indro, maina ny tany. 14Ary tamin'ny andro fahafito amby roampolo, tamin'ny volana faharoa, dia maina ny tany.
15Hoy Andriamanitra tamin'i Noa hoe: 16"Mivoaha ao anaty sambo-fiara, ianao, ny vadinao, ireo zanakao lahy, ary ireo vinantonao vavy miaraka aminao. 17Ento mivoaka miaraka aminao ireo zava-manan'aina rehetra izay miaraka aminao izay avy tamin'ny nofo rehetra—dia ireo vorona, ireo biby, ary ireo zavatra mikisaka rehetra amin'ny tany—mba hitombo isa fatratra ho zava-manan'aina manerana ny tany ireo, Miteraha maro ary mihamaroa."
18Dia nivoaka Noa sy ny vady aman-janany, mbamin'ny vinantovaviny niaraka taminy. 19Ny zava-manan'aina rehetra, ny zavatra mikisaka rehetra, ary ny vorona rehetra, mbamin'izay rehetra mihetsiketsika eto ambonin'ny tany, araka ny karazany avy, dia nandao ny sambo-fiara.
20Nanamboatra alitara ho an'i Yaveh i Noa. Naka sasany tamin'ireo biby madio sy vorona madio izy, ary nanolotra fanatitra dorana teo amin'ny alitara. 21Ary ren'i Yaveh ny hanitra ankasitrahana ka niteny tao am-pony hoe: "Tsy hanozona ny tany noho ny olombelona intsony Aho, na dia ratsy hatramin'ny fahazazany aza ny fisainan'ny fon'ny olona. Ary tsy handringana ny zava-manan'aina intsony Aho, tahaka izay nataoko. 22Raha mbola maharitra koa ny tany, dia tsy hanam-pitsaharana ny taom-pamafazana sy ny taom-pijinjana, ny hatsiaka sy ny hafanana, ny ririnina sy ny fahavaratra, ary ny andro sy ny alina."

9

1Avy eo Andriamanitra nitso-drano an'i Noa sy ireo zanany lahy, ary niteny tamin'izy ireo hoe: "Maroa fara, mihabetsaha, ary mamenoa ny tany. 2Ny tahotra sy ny horohoro anao dia ho eo amin'ireo biby izay miaina ambonin'ny tany, ny voron'ny habakabaka, eo amin'ny zava-drehetra izay mandeha any ambanin'ny tany, ary amin'ny hazan-dranomasina rehetra. Atolotra eo an-tananao ireo.

3Ny zava-drehetra izay miaina dia ho ataonareo sakafo. Ankehitriny Aho dia manolotra anareo ny zava-drehetra tahaka ny nanomezako anareo ireo zava-maniry maitso. 4Saingy ianareo dia tsy tokony hihinana hena miaraka amin'ny ainy_izany dia ny ràny_ ao anatiny.
5Fa ho an'ny rànareo, ny aina izay ao anatin'ny rànareo, dia hitaky ny vidiny Aho. Avy amin'ny tanan'ireo biby no hitakiko izany. Avy amin'ny tanan'ny olona izay namono ny rahalahiny no hitakiko ny saran'ny fiainan'izany olona izany. 6Na iza na iza mandatsaka ain'ny olona iray, dia olona no andatsaka ny ainy, fa tamin'ny endrik'Andriamanitra no nanamboarany ny olona. 7Raha ny aminareo, dia maroa fara ary mitomboa, miparitaha manerana ny tany ary mitomboa eo amin'izany."
8Avy eo Andriamanitra niresaka tamin'i Noa sy ireo zanany lahy niaraka taminy, nanao hoe: 9"Raha ny Amiko, dia henoy! Hanamafy ny fanekena nataoko taminareo sy ny taranakareo ao aorianareo Aho, 10sy ireo biby manan'aina izay miaraka aminareo, ireo vorona, biby fiompy, ary ireo zava-manan'aina rehetra ambonin'ny tany miaraka aminareo, hatramin'ireo rehetra izay avy tao amin'ny sambo-fiara, hatramin'ny zava-manan'aina rehetra ambonin'ny tany.
11Izao Aho dia hanamafy ny fanekeko nataoko taminareo, fa tsy hisy safo-drano hamotika ny nofo rehetra intsony. Ary tsy hisy safo-drano handrava ny tany intsony." 12Hoy Andriamanitra hoe: "Izao no famantarana an'ilay fanekena izay ataoko eo Amiko sy eo aminareo ary ireo zava-manan'aina miaraka aminareo, ho an'ireo taranaka ho avy: 13efa nametraka avana teny amin'ny rahona Aho, ary izany no ho famantarana ny fanekena eo Amiko sy ny tany.
14Izany dia hitranga rehefa handrakotra ny tany amin'ny rahona Aho ary ho tazana eny amin'ny rahona ny avana, 15avy eo dia ho tsaroako ny fanekeko, izay nisy tamiko sy taminareo ary ireo zava-manan'ainan'ny nofo rehetra. Tsy ho tonga safo-drano hanimba ny nofo rehetra intsony ireo rano.
16Ny avana dia ho eny amin'ireo rahona ary hahita izany Aho, mba hahatsiarovana ny fanekena teo amin'Andriamanitra sy ireo zava-manan'ain'ny nofo rehetra izay eny ambonin'ny tany." 17Avy eo Andriamanitra niteny tamin'i Noa hoe: "Io no famantarana an'ilay fanekena nataoko tamin'ny nofo rehetra izay ambonin'ny tany."
18Ireo zanak'i Noa izay nivoaka tao amin'ilay sambo-fiara dia i Sema, Hama ary Jafeta. Hama dia rain'i Kanana. 19Ireo telo ireo no zanak'i Noa, ary avy amin'izy ireo no nahafeno olona ny tany.
20Nanomboka namboly i Noa, ary namboly voaloboka izy. 21Nisotro ny sasany tamin'ireo divay izy ka mamo. Natory tsy nirakotra tao amin'ny lainy izy.
22Avy eo Hama, rain'i Kanana, nahita ny rainy nitanjaka ka niteny tamin'ireo rahalahiny tany ivelany. 23Ka naka akanjo lava i Sema sy Jafeta ary nametraka izany teo amin'ny sorok'izy ireo roa, ary nankao aorina nampitafy ny rain'izy ireo nitanjaka. Nitodi-doha izy ireo, ka tsy nahita ny fitanjahan'ny rain'izy ireo.
24Rehefa taitra avy tamin'ny fahamamoany i Noa, dia nahafantatra ny nataon'ilay zanany faralahy taminy. 25Ka hoy izy hoe: "Ho voahozona anie Kanana. Ho isan'ireo mpanompon'ireo rahalahiny anie izy."
26Niteny koa izy hoe: "Hoderaina anie i Yaveh, Andriamanitr'i Sema, ary ho mpanompony anie i Kanàna. 27Hanitatra ny fari-tanin'i Jafeta anie Andriamanitra, ary hamela azy hanorina ny tranony eo amin'ireo lain'i Sema. Ho mpanompony anie i Kanana."
28Taorian'ny safo-drano, dia niaina dimampolo amby telonjato taona i Noa." 29Ny fotoana niainan'i Noa dia dimanpolo amby sivinjato taona, ary nodimandry izy avy eo.

10

1Ireto avy ny taranak'ireo zanaka lahin'i Noa, dia i Sema, Hama sy Jafeta. Niteraka zaza lahy izy ireo taorian'ny safo-drano.

2Ireo zanaka lahin'i Jafeta dia i Gomera, Magoga, Maday, Javana, Tobala, Meseka, sy Tirasa. 3Ireo zanaka lahin'i Gomera dia i Askenaza, Rifata sy Togarma. 4Ireo zanaka lahin'i Javana kosa dia i Elisaha, Tarsisy, Kitima, sy Dodanita. 5Nanomboka teo ny nizarazaran'ireo olon'ny moron-tsiraka ary samy nankany amin'ny taniny avy izy ireo, samy nanana ny fiteniny avy, araka ny fokon'izy ireo, araka ny firenen'izy ireo.
6Ireo zanaka lahin'i Hama dia i Kosy, Mizraima, Pota ary Kanana. 7Ireo zanaka lahin'i Kosy dia i Seba, Havila, Sabta, Ragama ary Sabteka. Ireo zanaka lahin'i Ragama kosa dia Seba sy Dedana.
8Kosy dia niteraka an'i Nimroda, izay lehilahy mpandresy voalohany tety an-tany. 9Izy dia mpihaza mahery teo anatrehan'i Yaveh. Izany no nilazana hoe: '"Toa an'i Nimroda, mpihaza mahery eo anatrehan'i Yaveh." 10Ireo ivon'ny fanjakany voalohany dia Babela, Ereka, Akada, Kalne, izay tao amin'ny tany Sinara.
11Niala tamin'izany tany izany izy ka nankany Asyria ary nanorina an'i Ninive, Rehobot-ira sy Kala 12ary Resena, izay teo anelanelan'i Ninive sy Kala. Tanàna lehibe izany. 13Mizraima niteraka ny Lodita, ny Anamita, ny Lehabita, ny Naftohita, 14ny Patrosita, ny Kaslohita (avy amin'ireo no niavian'ny Filistina), ary ny Kaftorita.
15Kanana niteraka an'i Sidona, lahimatoany, sy Heta, 16ary koa ireo Jebosita, ireo Amorita, ireo Girgasita, 17ireo Hivita, ireo Arkita, ireo Sinita, 18ireo Arvadita, ireo Zemarita, sy ireo Hamatita. Taty aoriana dia niely ny fokon'ireo Kananita.
19Ny faritany Kananita dia nanomboka teo Sidona, mitohy mankany Gerara ka hatrany Gaza, ary ny iray izay mankany Sodoma, Gomora, Adma, ary Zeboima, ka hatrany Lasa. 20Ireo no zanak'i Hama, araka ny fokon'izy ireo, araka ny fiteniny avy, tao amin'ny tanin'izy ireo, ary tao amin'ny firenen'izy ireo.
21Niteraka zaza lahy ihany koa i Sema, ilay zokin'i Jafeta lahimatoa. Razamben'ireo olona rehetra avy ao Ebera ihany koa i Sema. 22Ireo zanaka lahin'i Sema dia i Elama, Asyra, Arpaksada, Loda ary Arama. 23Ireo zanaka lahin'i Arama dia i Oza, Hola, Gatera ary Masy.
24Ary Arpaksada niteraka an'i Sela, ary Sela niteraka an'i Ebera. 25Nanana zanaka roa lahy i Ebera. Ny anaran'ny iray dia i Palega satria tamin'ny androny dia voazara ny tany. Joktana no anaran'ny rahalahiny.
26Joktana niteraka an'i Almodada, Salefa, Hazarmaveta, Jera, 27Hadorama, Hozala, Dykla, 28Obala, Abimaela, Sheba,29Ofira, Havila ary Jobaba. Ireo rehetra ireo dia zanaka lahin'i Joktana.
30Ny faritanin'izy ireo dia nanomboka teo Mesa, hatrany Sefara, tendrombohitra atsinanana. 31Ireo no zanaka lahin'i Sema, araka ny foko sy ny fitenin'izy ireo, tao amin'ny tanin'izy ireo, araka ny firenen'izy ireo.
32Ireo no fokon'ireo zanak'i Noa, araka ny firazanan'izy ireo, araka ny firenen'izy ireo. Avy amin'ireo no nampisaraka ireo firenena ka niparitaka nanerana ny tany tao aorian'ny safo-drano.

11

1Ary ny tany iray manontolo dia nampiasa fiteny iray sy teny iombonana. 2Raha nandeha niatsinanana izy ireo, dia nahita lohasaha tao amin'ny tanin'i Sinara ka nanorim-ponenana tao.

3Nifampilaza izy ireo hoe: "Andao, hanao biriky isika ka handoro tsara izany." Biriky no nananan'izy ireo fa tsy vato ary molanga ho feta. 4Hoy izy ireo hoe: "Andeha isika hanangana tanàna sy tilikambo izay hanakatra ny lanitra ny tendrony, ary aoka hamoronantsika anarana ho antsika izany. Raha tsy manao izany isika, dia hiparitaka manerana an'izao tontolo rehetra izao."
5Noho izany dia nidina Yaveh mba hijery ilay tanàna sy ilay tilikambo izay natsangan'ireo taranak'i Adama. 6Hoy Yaveh hoe: "Indro, vahoaka iray mitovy fiteny ihany ireo, ary manomboka manao izany izy ireo! Atsy ho atsy dia tsy hisy zavatra izay kasain'izy ireo hatao ka tsy ho vitan'izy ireo. 7Koa, andeha isika hidina ka hampifangaro ny fitenin'izy ireo eny, mba tsy hifankahazo izy ireo."
8Ka naparitak'i Yaveh avy teo hanerana ny velaran-tany rehetra izy ireo ary natsahatr'izy ireo ny fananganana ny tanàna. 9Noho izany, dia natao hoe Babela ny anaran'izany, satria tao no nanafangaron'i Yaveh ny fitenin'ny tany iray manontolo ary avy tao no nanaparitahan'i Yaveh azy ireo tany ivelany manerana ny velaran-tany rehetra.
10Ireto ny taranak'i Sema. Zato taona i Sema, ary roa taona taorian'ny safo-drano dia niteraka an'i Arpaksada izy. 11Mbola velona dimanjato taona izy rehefa tonga rain'i Arpaksada izy. Niteraka zanaka lahy sy zanaka vavy hafa ihany koa izy.
12Rehefa feno dimy amby telopolo taona i Arpaksada, dia niteraka an'i Sela. 13Niaina 403 taona i Arpaksada taorian'ny niterahany an'i Sela. Niteraka zanaka lahy sy zanaka vavy hafa ihany koa izy.
14Rehefa niaina telopolo taona i Sela, dia niteraka an'i Hebera. 15Mbola niaina 403 taona i Sela taorian'ny niterahany an'i Hebera. Niteraka zanaka lahy sy zanaka vavy hafa ihany koa izy.
16Rehefa niaina efatra amby telopolo taona i Hebera, dia niteraka an'i Pelega. 17Mbola niaina 430 taona i Hebera taorian'ny niterahany an'i Pelega. Niteraka zanaka lahy sy zanaka vavy hafa ihany koa izy.
18Rehefa niaina telopolo taona i Pelega, dia niteraka an'i Reho. 19Mbola niaina 209 taona i Pelega taorian'ny niterahany an'i Reho. Niteraka zanaka lahy sy zanaka vavy hafa ihany koa izy.
20Rehefa niaina roa amby telopolo taona i Reho, dia niteraka an'i Seroga. 21Mbola niaina 207 taona i Reho taorian'ny niterahany an'i Seroga. Niteraka zanaka lahy sy zanaka vavy hafa ihany koa izy.
22Rehefa niaina telopolo taona i Seroga, dia niteraka an'i Nahora. 23Mbola niaina roanjato taona i Seroga taorian'ny niterahany an'i Nahora. Niteraka zanaka lahy sy zanaka vavy hafa ihany koa izy.
24Rehefa niaina sivy amby roapolo taona i Nahora, dia niteraka an'i Tera. 25Mbola niaina 119 taona i Nahora taorian'ny niterahany an'i Tera. Niteraka zanaka lahy sy zanaka vavy hafa ihany koa izy. 26Rehefa niaina fitopolo taona i Tera, dia niteraka an'i Abrama, Nahora sy Harana.
27Ary ireto ireo taranak'i Tera. Niteraka an'i Abrama, Nahora ary i Harana i Tera, ary Harana niteraka an'i Lota. 28Harana dia maty tao amin'ny tany nahaterahany raha mbola velona i Tera rainy, tao Ora tao Kaldeana.
29Nanambady i Abrama sy Nahora. Saray no anaran'ny vadin'i Abrama, ary ny anaran'ny vadin'i Nahora dia i Milka, zanaka vavin'i Harana, izay rain'i Milka sy Iska. 30Ary Saray dia momba; tsy nanan-janaka izy.
31Nentin'i Tera i Abrama zanany lahy, Lota zanaka lahin'i Harana zanany, sy Saray vinantovaviny, vadin'i Abrama zanany lahy, ary niaraka niala tao Ora tao Kaldeana izy ireo, mba ho any amin'ny tany Kanana. Fa nankany Harana izy ireo ary nijanona tao. 32Niaina 205 taona i Tera ary avy eo dia maty tao Harana.

12

1Ary Yaveh niteny tamin'i Abrama hoe: "Mialà amin'ny firenenao, sy amin'ireo havanao, sy amin'ny tokantranon-drainao, hankany amin'ny tany izay hasehoko anao. 2Hataoko firenena lehibe ianao, ary ho tahiako ianao, ary hataoko lehibe ny anaranao, ary ho fitahiana ianao. 3Hitahy ireo izay mitahy anao Aho, fa na iza na iza manala baraka anao dia hozoniko. Amin'ny alalanao no hitahiana ireo firenen'ny tany rehetra."

4Dia nandeha Abrama, araka izay nolazain'i Yaveh hataony, ary nanaraka azy koa i Lota. Dimy amby fitopolo taona i Abrama raha nandao an'i Harana. 5Abrama nitondra an'i Saray, vadiny, Lota, zana-drahalahiny, ireo fananana rehetra izay voatahirin'izy ireo, sy ireo vahoaka izay azon'izy ireo tao Harana. Niainga ho any amin'ny tany Kanàna izy ireo, ka tonga tao amin'ny tany Kanàna.
6Nandalo ny tany lavitr'i Sekema i Abrama, hatrany amin'ny hazo terebintan'i More. Ireo kananita no nipetraka tao amin'ilay tany tamin'izany andro izany. 7Niseho tamin'i Abrama i Yaveh, ka niteny hoe: "Ho an'ireo taranakao no hanomezako ity tany ity." Ary Abrama nanorina alitara tany ho an'i Yaveh, izay niseho taminy.
8Nifindra nankany amin'ny havoana atsinanan'i Betela izy, izay nanorenany ny lainy, Betela tany andrefana sy Ay tany atsinanany. Teo no nanorenany alitara ho an'i Yaveh sy niantso ny anaran'i Yaveh. 9Avy eo nanohy ny diany Abrama, nandeha nankany Negeva.
10Nisy mosary tao amin'ilay tany, ka nidina tany Egypta Abrama mba hitoetra, fa nahery ny mosary tao amin'ilay tany. 11Rehefa nadiva hiditra an'i Egypta izy, dia niteny tamin'i Saray vadiny hoe: "Indro, fantatro fa tena vehivavy tsara tarehy ianao. 12Rehefa hitan'ireo Egyptiana ianao dia hiteny izy ireo hoe: 'Ity ny vadiny,' ary dia ho vonoin'izy ireo aho, kanefa ianao ho hazonin'izy ireo ho velona. 13Teneno hoe anabaviko ianao, mba tsy hampaninona ahy noho ianao, ary mba ho voatsitsy ny aiko noho ianao."
14Ary tamin'ny fotoana nidiran'i Abrama tao Egypta, dia hitan'ireo egyptiana fa vehivavy tena tsara tarehy tokoa Saray. 15Hitan'ireo tandapan'i Farao izy, dia nidera azy tany amin'i Farao, ary dia nalaina ho any an-tokantranon'i Farao ravehivavy. 16Ary nampiadanin'i Farao i Abrama noho ny amin-dravehivavy, ka nanome azy ondry, omby, ampondra lahy, mpanompo lahy, mpanompo vavy, ampondra vavy, ary rameva.
17Avy eo Yaveh nikapoka an'i Farao sy ny ankohonany tamin'ny loza lehibe noho i Saray, vadin'i Abrama. Nampiantso an'i Abrama i Farao, ka niteny hoe: 18"Inona ity zavatra izay vitanao tamiko? Nahoana no tsy nolazainao tamiko fa vadinao izy? 19Nahoana ianao no nilaza hoe: 'Anabaviko izy,' mba hangalako azy ho vadiko? Noho izany, indro ny vadinao. Ento izy, ary andeha zory ny lalanao." 20Ary Farao nanome baiko ireo lehilahiny nahakasika azy, ary nandefa azy lavitra izy ireo, niaraka tamin'ny vadiny sy izay rehetra nananany.

13

1Dia niakatra avy tany Egypta i Abrama ary nandeha tao Negeva, izy, ny vadiny, ary izay rehetra nananany. Niaraka tamin'izy ireo ihany koa i Lota. 2Ary Abrama dia tena nanan-karena biby, volafotsy, ary volamena.

3Nanohy ny diany avy ao Negeva ho any Betela izy, ho any amin'ny toerana izay nisy ny lainy taloha, anelanelan'i Betela sy Ay. 4Nandeha tany amin'ilay toerana izay nisy ny alitara izay namboariny teo aloha izy. Teo no niantsoany ny anaran'i Yaveh.
5Ary Lota, izay nandeha niaraka tamin'i Abrama, dia nanana ondry aman'osy, omby, ary lay ihany koa. 6Tsy nahazaka ny hiarahan'izy ireo mitoetra ny tany, satria maro be ireo fananany, noho izany dia tsy afaka niara-nipetraka izy ireo. 7Ary koa, nisy fifandirana teo amin'ireo mpiandry ondrin'i Abrama sy ireo mpiandry ondrin'i Lota. Nipetraka tao amin'ilay tany ireo Kananita sy Perizita tamin'izany fotoana izany.
8Ka hoy Abrama tamin'i Lota hoe: "Aoka tsy hisy fifandirana amiko sy eo aminao, ary eo amin'ireo mpiandry ondrinao sy ireo mpiandry ondriko; sady mpianakavy rahateo isika. 9Tsy eo anoloanao ve ny tany iray manontolo? Mandehana tsy am-pihambahambana ary misaraha amiko. Raha mandeha miankavia ianao, dia handeha miankavanana aho. Na raha mandeha miankavanana ianao, dia handeha miankavia aho."
10Dia nijery nanodidina i Lota, ary nahita fa ny lemak'i Jordana rehetra dia voatondraka tsara na taiza na taiza tamin'ny lalana rehetra mankany Zoara, tahaka ny sahan'i Yaveh, tahaka ny tanin'i Egypta. Izany dia talohan'ny nandravan'i Yaveh an'i Sodoma sy Gomora. 11Noho izany Lota dia nifidy ny lemak'i Jordana rehetra ho azy ary nandeha niatsinanana, ka nisaraka ireo mpihavana.
12Nipetraka tany amin'ny tany Kanàna i Abrama, ary Lota nipetraka teo amin'ireo tanànan'ny lemaka. Nanorina ny lainy ho lavitra manakaiky an'i Sodoma izy. 13Ary ireo olon'i Sodoma dia tena mpanota ratsy fanahy manohitra an'i Yaveh.
14Niteny tamin'i Abrama i Yaveh tao aorian'ny nialàn'i Lota teo aminy hoe: "Mijere avy eo amin'ny toerana izay hijoroanao mianavaratra, mianatsimo, miatsinanana, ary miakandrefana. 15Ireo tany rehetra izay hitanao, dia homeko anao sy ireo taranakao mandrakizay.
16Hataoko maro toy ny vovoky ny tany ireo taranakao, ka amin'izay raha misy lehilahy iray afaka manisa ny vovoky ny tany, dia afaka isaina ihany koa ireo taranakao. 17Mitsangàna, ary mandehana mamakivaky ny halava sy ny sakan'ny tany, fa homeko anao izany." 18Dia nangorona ny lainy Abrama, ary nandeha ka nipetraka teo akaikin'ny hazo terebintan'i Mamre, izay any Hebrona, ary nanamboatra alitara ho an'i Yaveh tany.

14

1Ary tamin'ny andron'i Amrafela, mpanjakan'i Sinara, sy Arioka, mpanjakan'i Elasara, sy Kedorlaomera mpanjakan'i Elama ary Tidala mpanjakan'i Goima, 2dia nanao ady izy ireo hanoherana an' i Bera, mpanjakan'i Sodoma sy Birsa mpanjakan'i Gomora sy Sinaba mpanjakan'i Adma, sy Semebera, mpanjakan'i Zeboima, ary ny mpanjakan'i Bela (nantsoina koa hoe: Zoara).

3Ireto mpanjaka dimy farany dia nifampitaona niaraka tao andohasahan'i Sidima (nantsoina ihany koa hoe: ranomasin-tsira). 4Roa ambin'ny folo taona no nanompoan'izy ireo an'i Kedorlaomera, saingy tamin'ny taona fahatelo ambin'ny folo dia nikomy kosa izy ireo. 5Ary tamin'ny taona fahefatra ambin'ny folo, dia tonga i Kedorlaomera sy ireo mpanjaka niaraka taminy ary nanafika an'i Refaita tao Astarta-Kamaima, Zozima tany Hama, Emima tao Save-kiriataima, 6ary ny Horita tao an-tendrombohitr'i Seira, hatrany Elparana, izay akaikin'ny tany efitra.
7Avy eo dia niverina izy ireo ary tonga tany Ena-mispata (nantsoina koa hoe: Kadesy), ary nandresy ireo firenen'ny Amalekita, sy ireo Amorita izay nonina tany Hazazon-tamara ihany koa. 8Avy eo ny mpanjakan'i Sodoma, ny mpanjakan'i Gomora, mpanjakan'i Adma, mpanjakan'i Zeboima ary ny mpanjakan'i Bela (nantsoina koa hoe: Zoara) dia nivoaka ary niomana 9ho amin'ny ady hanoherana ireo Kedorlaomera, mpanjakan'i Elama, Tidala, mpanjakan'i Goima, Amrafela, mpanjakan'i Sinara, Arioka, mpanjakan'i Elasara; mpanjaka efatra nanohitra ireo dimy.
10Ary ny lohasahan'i Sidima dia feno lavaka misy ditin-tany, ary rehefa nandositra ny mpanjakan'i Sodoma sy ny mpanjakan'i Gomora, dia nilatsaka tao izy ireo. Ary ireo izay tavela dia nandositra tany amin'ireo tendrombohitra. 11Ka nalain'ny fahavalo ireo haren'i Sodoma sy Gomora rehetra sy ireo tahiry rehetra, ary dia lasa nandeha tamin'ny lalan'izy ireo. 12Ary rehefa nandeha izy ireo, dia nentiny koa i Lota, zana-drahalahin'i Abrahama, izay nipetraka tao Sodoma, niaraka tamin'ny fananany rehetra.
13Ilay iray izay afa-nandositra dia tonga ary nilaza tamin'i Abrama ilay Hebreo. Izy dia nonina tao amin'ny hazo terebintan'i Mamre, Amorita, izay rahalahin'i Eskola sy Anera; izy rehetra ireo izay mpiandany amin'i Abrama. 14Ary rehefa ren'i Abrama fa voasambotr'ireo fahavalo ny havany, dia notarihiny ireo lehilahiny 318 voahofana izay teraka tao an-tranony, ka nanaraka azy ireo hatrany Dana.
15Nozarainy ny alina ireo lehilahiny hanohitra azy ireo ary nanafika azy ireo, sy nanenjika azy ireo hatrany Hoba, izay ao avaratr'i Damaskosy. 16Avy eo dia nampodiny ireo fananana rehetra, ary nampody an'i Lota havany sy ireo zava-tsoany ihany koa, mbamin'ireo vehivavy sy ny vahoaka hafa.
17Ary rehefa niverina avy nandresy an'i Kedorlaomera sy ireo mpanjaka niaraka taminy i Abrama, dia nivoaka mba hihaona aminy tao an-dohasaha Save ilay mpanjakan'i Sodoma (Nantsoina ihany koa hoe: lohasahan'ny mpanjaka). 18Nitondra mofo sy divay i Melkizedeka, mpanjakan'i Salema. Mpisoron'Andriamanitra Avo Indrindra izy.
19Nitso-drano azy izy manao hoe: "Ho tahian'Andriamanitra Avo Indrindra, Mpahary ny lanitra sy ny tany anie Abrama. 20Isaorana anie Andriamanitra Avo Indrindra, izay nanolotra ireo fahavalonao teo an-tananao." Avy eo dia nomen'i Abrama azy ny ampahafolon'ny zava-drehetra.
21Hoy ny mpanjakan'i Sodoma tamin'i Abrama hoe: "Omeo ahy ny olona, ary ento ho anao ireo fananana." 22Hoy Abrama tamin'ny mpanjakan'i Sodoma hoe: "Izaho dia efa nanangana ny tanako tamin'i Yaveh, Ilay Andriamanitra Avo indrindra, Izay nahary ny lanitra sy ny tany, 23fa tsy handray singa taretra, fehin-kapa iray, na zavatra hafa izay anao aho, mba tsy hahafahanao milaza hoe: 'Izaho no nampanankarena an'i Abrama.' 24Tsy haka na inona na inona afa-tsy izay efa nohanin'ireo zatovo sy ny anjaran'ireo lehilahy izay niaraka tamiko aho. Aoka ho raisin'i Anera sy Eskola ary Mamre ny anjaran'izy ireo."

15

1Tao aorian'ireo zavatra ireo dia tonga tamin'i Abrama tamin'ny fahitana ny tenin'i Yaveh, nanao hoe: "Aza matahotra, ry Abrama! Izaho no ampinganao sy valisoa lehibe indrindra ho anao." 2Hoy Abrama hoe: "Tompo Yaveh o, inona no homenao ahy, satria tsy mbola manan-janaka ihany aho, ary i Eliziera avy any Damaskosy no mpandova ny tranoko?" 3Hoy Abrama hoe: "Satria tsy nomenao taranaka aho, dia indro, ny mpitatan-draharaha ny tranoko no mpandova ahy."

4Avy eo, dia indro, tonga taminy ny tenin'i Yaveh, nanao hoe: "Tsy ho mpandova anao izany lehilahy izany; fa izay avy amin'ny nofonao ihany kosa no ho lasa mpandova anao." 5Dia nitondra azy nivoaka Izy, ary nanao hoe: "Jereo ny lanitra, ary isao ireo kintana, raha afaka ny hanisa ireo ianao." Avy eo niteny taminy Izy hoe: "Dia ho toy izany ireo taranakao."
6Nino an'i Yaveh izy, ary nisainy ho fahamarinana ho azy izany. 7Niteny taminy Izy hoe: "Izaho no Yaveh, izay nitondra anao nivoaka avy tao amin'ny Oran'ny Kaldeanina, mba hanome anao ity tany ity mba handova izany." 8Hoy izy hoe: "Ry Tompo Yaveh, ahoana no hahafantarako fa handova izany aho?"
9Avy eo hoy Izy taminy hoe: "Hitondrao zanak'omby vavy telo taona aho, osy vavy telo taona, ondry vavy telo taona, voromailala, ary zana-boromailala." 10Nentiny teo aminy avokoa ireo rehetra ireo, ary nanapaka ireo ho roa, ka nametraka ny antsasany tsirairay avy nifanatrika, fa ireo vorona kosa tsy nozarainy. 11Raha vao nidina teo ambonin'ny karakasy ireo voron'ny haza, dia noroahin'i Abrama izy ireo.
12Ary rehefa nilentika ny masoandro, dia latsaka tao anaty tori-maso lalina i Abrama ary, indro, nisy aizina lalina sy nampihororo nandifotra azy. 13Dia niteny tamin'i Abrama i Yaveh hoe: "Fantaro marina fa ireo taranakao dia ho vahiny amin'ny tany izay tsy azy ireo, ary ho andevozina sy ampahoriana mandritry ny efajato taona.
14Hitsara izany firenena izay ho tompoin'izy ireo izany Aho, ary rehefa afaka izany dia hivoaka miaraka amin'ny fananana mitobaka izy ireo. 15Fa ianao dia ho any amin'ny razambenao am-piadanana, ary halevina amin'ny fahanterana. 16Any amin'ny taranaka faha efatra dia ho tonga eto indray izy ireo, fa ny helok'ireo Amorita dia tsy mbola nahatratra ny fetrany."
17Rehefa nilentika ny masoandro ary maizina, dia indro, nisy vilany nivoaka setrok'afo sy fanilo nandalo teo anelanelan'ireo singany. 18Tamin'io andro io dia nanao fanekena niaraka tamin'i Abrama i Yaveh, nanao hoe: "Homeko ho an'ny taranakao etoana ity tany ity, manomboka amin'ny reniranon'i Egypta ka hatrany amin'ny renirano lehibe, Eofrata— 19ireo Kenita, Kenizita, Kadmonita, 20Hetita, Perizita, Refaita, 21Amorita, Kananita, Girgasita, ary ireo Jebosita."

16

1Ary Saray, vadin'i Abrama, dia tsy mba niteraka zaza ho azy, saingy nanana mpanompo vavy iray izy, izay Egyptiana, antsoina hoe Hagara. 2Koa hoy Saray tamin'i Abrama hoe: "Indro, tsy namela ahy hanan-janaka Yaveh. Mandehana mandry miaraka amin'ny mpanompo vaviko. Izany angamba no mety hahazoako zanaka avy aminy." Nihaino ny feon'i Saray i Abrama. 3Folo taona taorian'ny nonenan'i Abrama tao an-tany Kanàna no nanomezan'i Saray, vadin'i Abrama, an'i Hagara mpanompo vaviny Egyptiana, ho vadin'ny vadiny. 4Koa niray tamin'i Hagara izy, ary nitoe-jaza. Rehefa hitany fa nitoe-jaza izy, dia nijery ny tompo vaviny tamin'ny fanamavoana.

5Ary hoy Saray tamin'i Abrama hoe: "Noho ny aminao ihany izao ratsy mihatra amiko izao. Nomeko ho eo an-tratranao ny mpanompo vaviko, ary rehefa hitany fa nitoe-jaza izy, dia namavoina teo imasony aho. Aoka Yaveh no hitsara ahy sy ianao." 6Fa hoy Abrama tamin'i Saray hoe: "Indro, eo amin'ny fahefanao ny mpanompo vavinao, ataovy aminy izay heverinao ho mety indrindra." Koa dia nanao fitondrana mafy taminy i Saray, ka nandositra azy.
7Nahita azy teo akaikin'ny loharano iray tany an-tany hay ilay anjelin'i Yaveh, ilay loharano teny an-dalana nankany Sora. 8Hoy izy hoe: "Ry Hagara, mpanompon'i Saray, avy aiza ianao ary handeha ho aiza?" Ary hoy izy hoe: "Mandositra an'i Saray tompoko vavy aho."
9Ny anjelin'i Yaveh niteny taminy hoe: "Miverena any amin'ny tompo vavinao, ary mihareta amin'ny fahefany." 10Ary hoy ilay anjelin'i Yaveh taminy hoe: "Hampitombo isa ny taranakao tokoa Aho, hany ka tsy ho tambo isaina izy ireo."
11Hoy ihany koa ilay anjelin'i Yaveh taminy hoe: "Indro, mitoe-jaza ianao, ary hiteraka zaza lahy, ary ny anarany dia hataonao hoe Ismaela, satria nandre ny fahorianao Yaveh. 12Ho borikidian'ny olona izy. Handrafy ny olona rehetra izy, ary ny olona rehetra hirafy aminy, ary honina lavitra ny rahalahiny rehetra izy.
13Ary nomeny an'i Yaveh izay niresaka taminy izao anarana izao: "Ianao no Andriamanitra izay mahita ahy," fa hoy izy hoe: "Mbola mahita ihany tokoa ve aho, na dia taorian'ny nahitany ahy aza?" 14Noho izany dia nantsoina hoe Bera-lahai-roy ilay fantsakana; indro, eo anelanelan'i Kadesa sy Bereda izany.
15Niteraka ny zanaka lahin'i Abrama i Hagara, ary nomen'i Abrama anarana hoe Ismaela ny zanany, izay naterak'i Hagara. 16Enina amby valopolo taona i Abrama tamin'ny niterahan'i Hagara an'Ismaela ho zanany.

17

1Tamin'i Abrama sivy amby sivifolo taona, dia niseho taminy Yaveh ary niteny taminy hoe: "Izaho no Andriamanitra Tsitoha. Mandehana eo anoloako, ary aoka tsy hisy tsiny. 2Dia hanamafy ny fanekeko teo Amiko sy ianao Aho, ary hanamaro anao fatratra."

3Niankohoka tamin'ny tany Abrama ary niteny taminy Andriamanitra, nanao hoe: 4"Raha ny Amiko, dia indro, aminao ny fanekeko. Ho rain'ny firenena maro ianao. 5Tsy ho Abrama intsony ny anaranao, fa hatao hoe Abrahama—satria manendry anao ho rain'ny firenena maro Aho. 6Hahamaro anao fatrara Aho, ary hataoko firenena maro ianao, ary hisy mpanjaka ho avy aminao.
7Haoriko ny fanekeko eo Amiko sy aminao ary ny taranaka aorianao, amin'ireo taranaka faramandimbin'izy ireo ho fanekena tsy manam-pahataperana, mba ho Andriamanitrao sy ho an'ireo taranaka mandimby anao Aho. 8Homeko anao, sy ireo taranaka mandimby anao, ny tany nipetrahanao, dia ny tany Kanàna rehetra, ho fananana mandrakizay, ary Izaho ho Andriamanitr'izy ireo."
9Avy eo Andriamanitra niteny tamin'i Abrahama hoe: "Raha ny aminao, dia tsy maintsy mitandrina ny fanekeko, ianao sy ny taranakao aorianao hatramin'ny taranaka faramandimbin'izy ireo. 10Izao no fanekeko, izay tsy maintsy tandremanao, eo Amiko sy aminao ary ny taranaka aorianao: Tsy maintsy foraina ny lehilahy rehetra eo aminareo. 11Tsy maintsy foraina ny nofon'ny loha tsitsinareo, ka izany no famantarana ny fanekena eo Amiko sy aminao.
12Ny zazalahy valo andro rehetra eo aminao, hatramin'ny taranak'ireo olonao dia tsy maintsy foraina. Anisan'izany izay teraka avy tao amin'ny ankohonanao sy izay novidiana vola avy tamin'ny vahiny izay tsy iray amin'ireo taranakao. 13Tsy maintsy foraina avokoa izay teraka avy tao amin'ny ankohonanao sy izay novidiana tamin'ny volanao. Amin'izany ny fanekeko dia ho ao amin'ny nofonareo mba ho fanekena mandrakizay. 14Na iza na iza lehilahy tsy mifora izay tsy noforaina ny nofon'ny loha tsitsiny dia hesorina amin'ny vahoakany. Nandika ny fanekeko izy."
15Ary Andriamanitra niteny tamin'i Abrahama hoe: "Raha ny amin'i Saray vadinao, dia aza antsoina hoe Saray intsony izy. Fa kosa, Saraha no ho anarany. 16Hitahy azy Aho, ary homeko zanaka lahy avy aminy ianao. Hitahy azy Aho, ary ho renin'ny firenena maro izy. Avy aminy ireo mpanjakan'ny olona."
17Avy eo niankohoka tamin'ny tany Abrahama, ary nihomehy, ka niteny tao am-pony hoe: "Moa mbola hisy zaza afaka hateraka ho an'ny lehilahy izay efa zato taona ve? Ahoana no hahafahan'i Saraha, izay efa sivifolo taona, hitondra vohoka?" 18Hoy Abrahama tamin'Andriamanitra hoe: "Enga anie Ismaela mba ho velona eo anatrehanao!"
19Hoy Andriamanitra hoe: "Tsia, fa Saraha vadinao dia hanome zanaka lahy ho anao, ary tsy maintsy ataonao hoe Isaka ny anarany. Haoriko aminy ho fanekena mandrakizay miaraka amin'ireo taranaka faramandimbiny ny fanekeko. 20Raha ny amin'Ismaela, dia efa reko ianao. Indro, mitso-drano azy Aho, ary hampamokatra azy, sy hampitombo azy fatratra. Ho rain'ireo mpitarika ny foko roa ambin'ny folo izy, ary hataoko tonga firenena lehibe. 21Fa ny fanekeko dia haoriko amin'Isaka, izay haterak'i Saraha ho anao amin'ny fotoana toy izao amin'ny taona manaraka."
22Rehefa avy niresaka taminy Izy, dia niakatra niala avy teo amin'i Abrahama Andriamanitr. 23Avy eo Abrahama naka an'Ismaela zanany lahy, sy ireo rehetra tao amin'ny ankohonany, ary ireo rehetra novidiany vola, ny lehilahy rehetra tao amin'ny tokantranon'i Abrahama, ka namora ny nofon'izy ireo tamin'io andro io, araka ny nolazain'Andriamanitra taminy.
24Sivy amby sivifolo taona Abrahama tamin'izy noforaina ny lohantsitsiny. 25Telo ambin'ny folo taona Ismaela tamin'izy noforaina tamin'ny nofo. 26Tamin'io andro io dia samy voafora Abrahama sy Ismaela zanany. 27Noforaina niaraka taminy ireo lehilahy rehetra tao an-tokantranony, anisan'izany ireo teraka avy tao amin'ny tokantranony sy ireo novidiana vola avy tamin'ny vahiny.

18

1Niseho tamin'i Abrahama teo akaikin'ny hazo terebintan'ny Mamre i Yaveh, raha nipetraka teo antokanam-baravaran'ny lay tamin'ny misandratr'andro izy. 2Niandrandra izy ary, indro, nahita lehilahy telo nitsangana teo amin'ny tandrifiny. Rehefa hitany izy ireo, dia nihazakazaka hijery azy ireo avy eo am-baravaran'ny lay izy ary niankohoka ambany tamin'ny tany.

3Hoy izy hoe: "Tompo, raha nahita sitraka teo imasonao aho, dia aza mandalo na mandao ity mpanomponao. 4Aoka hisy rano kely ho entina, sasao ny tongotrareo, ary mijànona eo ambany hazo. 5Avelao aho hitondra sakafo kely, mba hahafahanareo mamelombelona ny tenanao. Rehefa afaka izany dia afaka mandeha amin'ny lalanareo ianareo, satria tonga teo amin'ny mpanomponareo ianareo." Namaly izy ireo hoe: "Ataovy toy ny noteneninao."
6Avy eo Abrahama niditra haingana tao an-day tao amin'i Saraha, ary nanao hoe: "Faingàna, mitondrà koba tsara intelon'ny Sea, volavolay izany, ary ataovy mofo." 7Dia nihazakazaka tany amin'ny mpiandry ondry Abrahama, ary naka zanak'omby izay malambolambo sy tsara, ary nanome izany an'ilay mpanompo, ary nikoropaka hikarakara izany izy. 8Naka vaingan-dronono sy ronono izy, ary ilay zanak'omby izay efa voakarakara, ary nametraka ny sakafo teo anoloan'izy ireo, ary nitsangana teo akaikin'izy ireo teo ambanin'ny hazo izy raha mbola nihinana izy ireo.
9Niteny tamin'izy ireo izy hoe: "Aiza i Saraha vadinao?" Namaly izy hoe: "Ao anaty lay ao." 10Hoy izy hoe: "Hiverina aty aminao tokoa aho amin'ny lohataona, ary indro, hanan-janaka lahy i Saraha vadinao." Nihaino teo antokonam-baravaran'ny lay, izay tao aoriany i Saraha.
11Ary efa antitra Abrahama sy Saraha, nandroso taona tokoa, ary efa nihoatra ny taona izay hahafahan'ny vehivavy mitondra anaka i Saraha. 12Dia nihomehy ny tenany Saraha, nanao tamin'ny tenany hoe: "Rehefa tsy misy ilaina ahy ary ny tompoko dia antitra, hanana izany fahafinaretana izany ve aho ankehitriny?"
13Yaveh niteny tamin'i Abrahama hoe: "Naninona no nihomehy Saraha ary niteny hoe: 'Hanan'anaka tokoa ve aho, na dia antitra aza aho?' 14Moa misy zavatra sarotra loatra amin'i Yaveh ve? Amin'ny fotoana voatondroko, amin'ny lohataona, hiverina any aminao Aho. Amin'izany fotoana izany amin'ny taona ho avy dia hanan-janaka lahy Saraha." 15Ary nandà izany Saraha ary nanao hoe: "Tsy nihomehy aho," satria natahotra izy. Namaly Izy hoe: "Tsia, nihomehy tokoa ianao."
16Dia nitsangana ireo lehilahy mba handeha ary nijery tany Sodoma. Nandeha niaraka tamin'izy ireo Abrahama mba hijery azy ireo teny amin'ny lalan'izy ireo. 17Fa hoy Yaveh hoe: "Tokony afeniko amin'i Abrahama ve izay ho ataoko, 18satria tokoa Abrahama dia ho lasa firenena lehibe sy mahery, ary ireo firenena rehetra eto ambonin'ny tany dia ho tahiana avy aminy? 19Fa nifidy azy Aho mba hahafahany mampianatra ireo zanany sy ny ankohonany hanaraka azy mba hitandrina ny lalàn'i Yaveh, mba hanao ny fahamarinana sy ny rariny, mba hahafahan'i Yaveh mitondra eo amin'ny i Abrahama izay nolazainy taminy."
20Dia niteny Yaveh hoe: "Satria lehibe loatra ny fitarainana ny amin'i Sodoma sy Gomora, ary satria be loatra ny fahotan'izy ireo, 21dia hidina any Aho izao ary hijery ny fitarainana ny aminy izay tonga tamiko, na nanao izany tokoa izy ireo. Raha tsy izany, dia ho fantatro."
22Noho izany dia nihodina avy tao ireo lehilahy, ary nandeha nankany Sodoma, fa Abrahama nijanona nitsangana teo anoloan'i Yaveh. 23Avy eo Abrahama nanatona ary niteny hoe: "Hifaoka ny marina miaraka amin'ny ratsy fanahy ve Ianao?"
24Angamba misy marina dimampolo ao amin'ny tanàna. Handripaka izany ve Ianao ary tsy hamindra fo ny toerana nohon'ny amin'ny dimampolo marina izay ao? 25sanatria aminao ny hanao zavatra toy izany, mamono ny marina miaraka amin'ny ratsy fanahy, mba hahafahana mitondra ny marina tahaka ny ratsy fanahy. sanatria aminao izany! Tsy hanao izay marina ve ny Mpitsaran'ny tany rehetra? 26Hoy Yaveh hoe: "Raha mahita marina dimampolo ao an-tanàna ao Sodoma Aho, dia hamindra fo ny toerana manontolo nohon'ny amin'izy ireo."
27Namaly Abrahama ary nanao hoe: "Indro, nanaiky ny niresahako taminy ny Tompoko, na dia vovoka sy lavenona ihany aza aho! 28Ahoana raha latsaka dimy ny dimampolo marina? Handrava ny tanàna manontolo nohon'ny dimy tsy ampy ve Ianao?" Dia hoy Izy hoe: "Tsy handrava izany Aho, raha mahita dimy amby efapolo ao."
29Dia mbola niteny taminy indray izy, ary nanao hoe: "Ahoana raha misy efapolo hita ao?" Namaly Izy hoe: "Tsy hanao izany nohon'ny efapolo Aho." 30Hoy izy hoe: "Azafady aza tezitra, ry Tompo, mba hafahako miteny. Angamba telopolo no ho hita ao." Namaly Izy hoe: "Tsy hanao izany Aho, raha mahita telopolo ao." 31Hoy izy hoe: "Indro, nanaiky hiteny tamin'ny Tompoko aho! Angamba roapolo no ho hita ao." Namaly Izy hoe: "Tsy handrava izany nohon'ny roapolo Aho."
32Hoy izy hoe: "Azafady aza tezitra, ry Tompo, ary hiteny ity farany aho. Angamba folo no ho hita ao." Dia niteny Izy hoe: "Tsy handrava izany nohon'ny folo Aho. 33Nandeha tamin'ny lalany Yaveh vantany vao avy niresaka tamin'i Abrahama, ary Abrahama niverina nody.

19

1Tonga tao Sodoma ireo anjely anankiroa rehefa hariva, raha mbola nipetraka teo ambavahadin'i Sodoma i Lota. Hitan'i Lota izy ireo, nitsangana hitsena azy ireo, ary nampiankohoka ny tavany tamin'ny tany. 2Hoy izy hoe: "Tompoko, miangavy anareo re aho mba hivily ao an-tranon'ny mpanomponareo, mijanòna ao anio alina, ary sasao ny tongotrareo. Dia afaka mifoha vao mangiran-dratsy ianareo ary mandeha amin'izay lalan-kalehanareo. Namaly izy ireo hoe: "Tsia, handany ny alina eo an-kianjan'ny tanàna izahay." 3Fa niangavy fatratra azy ireo izy, ka niaraka taminy izy ireo, ary nandroso tao an-tranony. Nahandro sakafo sy nanendy mofo tsy misy masirasira izy, dia nihinana izy ireo.

4Kanefa talohan'ny natorian'izy ireo, ny lehilahin'ny tanàna, ny lehilahin'i Sodoma, dia nihodidina ny trano, ny tanora sy ny antitra, ireo lehilahy rehetra avy amin'ny faritry ny tanàna. 5Nantsoin'izy ireo Lota, ka niteny taminy hoe: "Aiza ireo lehilahy izay tonga tato aminao tamin'ity alina ity? Ento aty aminay izy ireo, mba hafahanay miara-mandry amin'izy ireo."
6Ka nivoaka ny varavarana ho eo amin'izy ireo Lota ary nanakatona ny varavarana tao aoriany. 7Hoy izy hoe: "Ry rahalahiko, miangavy anareo aho, aza manao zava-dratsy loatra. 8Indro, manan-janaka vavy anankiroa izay tsy mbola niara-nandry tamin'ny lehilahy aho. Avelao aho, mitalaho aminareo aho, entiko eto aminareo ireo, ary ataovy amin'izy ireo izay tsara eo imasonareo. Aza manao na inona na inona amin'ireo lehilahy ireo, satria tonga ato ambany aloky ny tafoko izy ireo."
9Hoy izy ireo hoe: "Mialà!" Hoy ihany koa izy ireo hoe: "Ity iray ity dia tonga teto mba hitoetra ho vahiny, ary izao izy indray no ho lasa mpitsara antsika! Ary ankehitriny dia hanao izay ratsy indrindra miaraka aminao noho ny miaraka amin'izy ireo izahay." Nanosika mafy nanohitra an'ilay lehilahy izy ireo, nanohitra an'i Lota, ary nanakaiky mba hamaky ny varavarana.
10Fa ireo lehilahy nanandratra ny tanan'izy ireo sy nisintona an'i Lota hiditra ao an-trano hiaraka amin'izy ireo ary nanakatona ny varavarana. 11Ary ireo vahinin'i Lota namely hajambana ireo lehilahy izay tao ivelan'ny varavaran'ny trano, ny kely sy lehibe, mba hahatonga azy ireo sasa-poana raha niezaka nitady ny varavarana izy ireo.
12Dia niteny tamin'i Lota ireo lehilahy hoe: "Mbola misy olon-kafa ve ato aminao? Vinanto lahy, ireo zanaka lahinao sy ireo zanaka vavinao, ary izay hanananao eto amin'ity tanàna ity, dia ento mivoaka eto izy ireo. 13Fa efa ho ravainay ity toerana ity, satria ny fiampangana izany eo anatrehan'i Yaveh dia tonga mafy loatra ka nirahany handrava izany izahay."
14Nandeha Lota ary nampilaza ireo vinanto lahiny, ireo lehilahy izay efa nampanantena hanambady ireo zanany vavy, ary niteny hoe: "Faingàna, mialà amin'ity toerana ity ianareo, fa efa ho ravain'i Yaveh ity tanàna ity." Fa tamin'ireo vinanto lahiny dia toy ny nivazivazy izy. 15Vao mangiran-dratsy ny andro, dia nitalaho tamin'i Lota ireo anjely, niteny hoe: "Mandehana, ento ny vadinao sy ireo zanakao roa vavy izay eto, mba tsy ho voaringana koa ianao amin'ny famaizana ny tanàna."
16Kanefa nitaredretra izy. Dia nohazonin'ireo lehilahy ny tanany, sy ny tanan'ny vadiny, ary ny tanan'ireo zanany roa vavy, satria be famindram-po taminy i Yaveh. Nentin'izy ireo niala izy ireo, ary napetrak'izy ireo ivelan'ny tanàna. 17Rehefa tafavoakan'izy ireo teny ivelany izy ireo, dia niteny ny iray tamin'ireo lehilahy hoe: "Mandosira ho amin'ny ainareo! Aza miherika, na mijanona amin'ny tany lemaka. Mandosira any an-tendrombohitra mba tsy ho voaringana ianareo."
18Hoy Lota tamin'izy ireo hoe: "Tsia re tompoko o! 19Efa nahita sitraka teo imasonao ny mpanomponao, ary efa naneho hatsaram-panahy lehibe tamiko ianao tamin'ny namonjenao ny aiko, kanefa tsy afaka ny handositra ho any an-tendrombohitra aho, satria hahatratra ahy ny loza, ary ho faty aho. 20Fa indro, iry tanàna iry dia akaiky kokoa azo handosirana tsara, ary kely izy io. Tompoko, aoka re aho handositra ao (tsy kely ve io?), ary dia ho voavonjy ny aiko."
21Hoy izy taminy hoe: "Eny ary, ekeko ihany koa izany fangatahana izany, fa tsy hamotika ny tanàna izay nolazainao teo aho. 22Faingàna! Mandosira any, fa tsy afaka hanao na inona na inona aho mandra-pahatonganao any." Noho izany no niantsoana ny tanàna hoe: Zoara.
23Efa niposaka tamin'ny tany ny masoandro nony tonga tao Zoara i Lota. 24Dia nandatsaka solifara sy afo avy tany an-danitra tamin'i Sodoma sy Gomora i Yaveh. 25Nopotehiny ireo tanàna ireo, sy ny lemaka rehetra, sy ireo mponina rehetra tao amin'ireo tanàna, ary ireo zava-maniry izay naniry tamin'ny tany.
26Nefa ny vadin'i Lota, izay tao aoriany, niherika, ary dia tonga vongan-tsira izy. 27Nifoha vao maraina Abrahama ka nankany amin'ilay toerana izay nijoroany teo anatrehan'i Yaveh. 28Nitazana an'i Sodoma sy Gomora sy ny tany lemaka rehetra izy. Nijery izy ka indro, niakatra tahaka ny setrokin'ny lafaoro lehibe ny setroka avy tamin'ny tany.
29Ary rehefa nandrava ireo tany lemaka Andriamanitra, dia nahatsiaro an'i Abrahama. Nentiny niala avy tao afovoan'ny fandravana i Lota rehefa nandrava ny tanàna izay nonenan'i Lota Izy.
30Dia niakatra avy tao Zoara i Lota mba honina tany amin'ireo tendrombohitra niaraka tamin'ireo zanany roa vavy, satria natahotra ny hitoetra tao Zoara izy. Nitoetra tanatina lava-bato iray izy, izy sy ireo zanany roa vavy.
31Hoy ny vavimatoa tamin'ny zandriny hoe: "Efa antitra ny raintsika, ary tsy misy lehilahy hiara-mandry amintsika araka izay fanaon'izao tontolo izao. 32Avia, Andeha hampisotrointsika divay ny raintsika, ary hiaraka handry aminy isika, mba hafahantsika manitatra ny taranaky ny raintsika." 33Ka dia nampisotroin'izy ireo divay ny rainy tamin'io alina io. Avy eo dia niditra ilay vavimatoa ary nandry niaraka tamin-drainy; kanefa izy dia tsy nahafantatra ny fotoana izay nandriany, na ny nifohazany.
34Nony ampitso dia niteny tamin'ny zandriny ilay vavimatoa hoe: "Henoy, nandry niaraka tamin'ny raiko aho alina. Koa andeha hampisotrointsika divay ihany koa izy anio alina, ary tokony miditra ao ianao ary mandry miaraka aminy, mba hafahantsika manitatra ny taranaky ny raintsika." 35Ka nampisotroin'izy ireo divay indray ny rainy tamin'io alina io, ary nandeha nandry niaraka taminy ilay zandriny. Tsy nahafantatra izay nandriany izy, na izay nifohazany.
36Noho izany dia samy nanan'anaka tamin'ny rainy ireo zanaka vavin'i Lota. 37Ny vavimatoa dia niteraka zazalahy, ary nantsoina hoe Moaba. Izy no lasa razamben'ny Moabita ankehitriny. 38Ary ilay faravavy, dia niteraka zazalahy ihany koa, ary niantso azy hoe Benamy. Lasa razamben'ny taranak'i Amona izy ankehitriny.

20

1Nandeha niala teo Abrahama ka nankany amin'ny tany Negeva, ary nitoetra teo anelanelan'i Kadesa sy Sora. Vahiny nipetraka tany Gerara izy. 2Niteny ny mahakasika an'i Saraha vadiny Abrahama hoe: "Anabaviko izy." Noho izany dia nandefa ireo lehilahiny i Abimeleka mpanjakan'i Gerara ary nalain'izy ireo i Saraha. 3Fa Andriamanitra niseho tamin'i Abimeleka tamin'ny nofy ny alina, ary niteny taminy hoe: "Indro, ho faty ianao ralehilahy noho ny vehivavy nalainao, satria vadin'olona izy."

4Ary Abimeleka tsy mbola nanakaiky azy ka hoy izy hoe: "Tompo, ho vonoinao koa ve na dia ny firenena marina aza? 5Tsy izy ihany ve no niteny tamiko hoe: 'Anabaviko izy?' Na izy tenany aza dia niteny tamiko hoe: 'Anadahiko izy.' Nataoko tamin'ny hitsim-poko izany ary tamin'ny tanako tsy manan-tsiny."
6Avy eo Andriamanitra niteny taminy tamin'ny nofy hoe: "Eny, efa fantatro koa fa tamin'ny hitsim-ponao no nanaovanao izany, ary efa niaro anao tsy hanota amiko ihany koa aho. Noho izany, tsy namela anao hikasika azy aho. 7Ka noho izany, avereno ny vadin-dralehilahy, fa mpaminany izy. Hivavaka ho anao izy, ary ho velona ianao. Fa raha tsy averinao izy, dia fantàro fa tena ho faty tokoa ianao sy izay rehetra anao."
8Nifoha maraina be Abimeleka ary niantso ireo mpanompony rehetra ho eo aminy. Nolazainy tamin'izy ireo izany zavatra rehetra izany, ary dia natahotra mafy ireo lehilahy. 9Avy eo Abimekela nampiantso ny an'i Abrahama ka nanao taminy hoe: "Inona ity nataonao taminay?" Ahoana ny nanotàko taminao, no dia nitondra fahotana lehibe teo amiko sy ny fanjakako ianao? Nataonao tamiko izay tsy tokony natao."
10Hoy Abimeleka tamin'i Abrahama hoe: "Inona no nanosika anao hanao izao zavatra izao?" 11Abrahama niteny hoe: "Satria nieritreritra aho hoe: 'Azo antoka fa tsy misy tahotra an'Andriamanitra amin'ity toerana ity, ary hamono ahy izy ireo noho ny amin'ny vadiko.' 12Ary koa, anabaviko tokoa izy, zanaka vavin'ny raiko, fa tsy zanaka vavin'ny reniko; ary dia lasa vadiko izy.
13Rehefa nahatonga ahy handao ny tokantranon'ny raiko sy nampifindrafindra toerana ahy Andriamanitra, dia hoy aho taminy hoe: 'Tsy maintsy asehonao amiko amin'ny maha-vadiko anao ity fahatokiana ity: any amin'izay toerana rehetra izay alehantsika, dia teneno ny momba ahy hoe: "Anadahiko izy."" 14Avy eo naka ondry sy omby, andevo lahy sy vavy Abimeleka, ary nanome izany an'i Abrahama. Avy eo naveriny tany aminy i Saraha, vadin'i Abrahama.
15Hoy Abimeleka hoe: "Indro, eo anoloanao ny taniko. Mitoera amin'izay mety aminao." 16Hoy izy tamin'i Saraha hoe: "Indro, nomeko sekely volafotsy arivo ny anadahinao. Izany dia mba ho tampimaso amin'ny fandikan-dalàna natao anao teo imason'ireo olon-drehetra izay miaraka aminao, tena nanao ny marina ianao."
17Avy eo Abrahama nivavaka tamin'Andriamanitra, ary Andriamanitra nanasitrana an'i Abimeleka, ny vadiny, ary ireo andevo vaviny mba hafahan'izy ireo mahazo zanaka. 18Satria Yaveh no nahatonga ny vehivavy rehetra tao an-tokatranon'i Abimeleka ho momba tanteraka, noho i Saraha, vadin'i Abrahama.

21

1Nihaino an'i Saraha araka izay efa nolazainy ho ataony Yaveh, ary dia nataon'i Yaveh tamin'ny Saraha araka izay efa nampanantenainy. 2Nitoe-jaza Saraha ary niteraka zaza lahy tamin'i Abrahama tamin'ny fahanterany, tamin'ny fotoana voatendry izay efa nolazain'Andriamanitra taminy. 3Abrahama nanome anarana ny zanany lahy, ilay nateraka ho azy, izay naterak'i Saraha ho azy, hoe Isaka. 4Noforain'i Abrahama Isaka zanany tamin'izy valo andro, araka izay nandidian'Andriamanitra azy.

5Zato taona Abrahama raha niteraka an'Isaka zanany. 6Hoy saraha hoe: "Efa nampihomehezin'Andriamanitra aho; ny olona rehetra maheno ahy dia hiara-hiomehy amiko." 7Hoy koa izy hoe: "Iza moa no afaka nilaza tamin'i Abrahama fa hitaiza zaza Saraha, kanjo niteraka zazalahy ho azy tamin'ny fahanterany aho!"
8Nitombo ny zaza ka nosarahi-nono, ary Abrahama nanao fety lehibe tamin'ny andro nampisarahana nono an'Isaka. 9Saraha nahita ilay zanak'i Hagara Egyptiana, izay naterany tamin'i Abrahama, naneso azy.
10Dia hoy izy tamin'i Abrahama hoe: "Roahy io andevo vavy io sy ny zanany: fa ny zanak'io andevo vavy io tsy hiray lova amin'ny zanako, dia Isaka." 11Izany zavatra izany dia tena nampahory an'i Abrahama nohon'ny amin'ny zanany.
12Fa hoy Andriamanitra tamin'i Abrahama hoe: "Aza malahelo nohon'ny amin'ny zazalahy, sy nohon'ny mpanompo vavinao. Henoy ny teneniny rehetra izay lazainy anao mahakasika izany raharaha izany, satria avy amin'Isaka no hanomezana anarana ny taranakao. 13Hataoko ho firenena ihany koa ny zanaky ny mpanompo vavinao, satria taranakao izy."
14Nifoha maraina Abrahama, naka mofo sy siny hoditra nisy rano, dia nomeny an'i Hagara izany, napetrany teo an-tsorony. Nomeny azy ilay zazalahy ary nalefany lavitra. Lasa i Hagara ka nirenireny tany an-tany efitr'i Beri-sheba. 15Rehefa lany ny rano tao anaty siny hoditra, dia navelan'i Hagara teo am-pototry ny hazo iray ny zaza. 16Avy eo lasa izy ka nipetraka lavidavitra kely tamin'ilay zaza, sahabo ho halaviran'ny fandefasana tsipìka teo, fa hoy izy hoe: "Aoka aho tsy hijery ny fahafatesan'ny zaza." Ary nipetraka tandrifiny izy, dia nanandratra ny feony ka nitomany.
17Andriamanitra nahare ny feon'ny zazalahy, ary ny anjelin'Andriamanitra niantso an'i Hagara avy any an-danitra, ka niteny taminy hoe: "Inona ny olanao ry Hagara? Aza matahotra fa efa ren'Andriamanitra ny feon'ny zazalahy eo amin'izay hitoerany. 18Mitsangàna, atsangano ny zaza ka ampaherezo izy, fa Izaho hanao azy ho firenena lehibe."
19Avy eo Andriamanitra nampahiratra ny masony, ka nahita fantsakana izy. Dia lasa izy nameno rano ilay siny hoditra ka nampisotro rano ilay zaza. 20Nomba ilay zaza Andriamanitra, ary niha-lehibe izy. Nonina tany an'efitra izy ka lasa mpandefa tsipìka. 21Nonina tany an-tany efitr'i Parana izy, ary nangalan'ny reniny vady avy tany Egypta.
22Ary tamin'izany fotoana izany Abimeleka sy Pikola lehiben'ny tafiny niresaka tamin'i Abrahama ka niteny hoe: "Andriamanitra dia momba anao amin'izay rehetra ataonao. 23Ankehitriny noho izany mianianà amiko eto anatrehan'Andriamanitra fa tsy hanao ratsy amiko ianao, na ny zanako, na ny taranako ianao. Asehoy ahy sy amin'ity tany izay nitoeranao ity ny fahatokisam-panekena izay nasehoko taminao." 24Hoy Abrahama hoe: "Mianina aho."
25Nitaraina tamin'i Abimeleka ihany koa Abrahama mahakasika ny lavaka fantsakana nalain'ny mpanompon'i Abimeleka an-keriny taminy. 26Hoy Abimeleka hoe: "Tsy fantatro izay nanao izany zavatra izany. Tsy niteny mialoha izany tamiko ianao; tsy mbola nandre momba izany aho raha tsy androany." 27Noho izany Abrahama dia naka ondry sy omby ka nomeny an'i Abimeleka, dia nanao fanekena izy roa lahy.
28Abrahama nanavaka zanak'ondry vavy fito tamin'ireo ondriny. 29Hoy Abimeleka tamin'i Abrahama hoe: "Inona no dikan'ireto zanak'ondry vavy fito navahanao ireto?" 30Namaly izy hoe: "Ireto zanak'ondry vavy fito ireto dia ho raisinao avy amin'ny tanako, mba ho vavolombelona amiko, fa izaho no nandavaka ity fantsakana ity."
31Koa dia nantsoiny hoe Beri-sheba io toerana io, satria teo izy roa tonta no nanao fianianana. 32Tao Beri-sheba izy roa lahy no nanao fifanekena, avy eo Abimeleka sy Pikola lehiben'ny tafiny niverina nankany amin'ny tanin'ireo Filistina.
33Namboly hazo voamadilo tao Beri-sheba i Abrahama. Nanompo an'i Yaveh, ilay Andriamanitra mandrakizay tao izy. 34Nitoetra ho vahiny nandritra ny andro maro tany amin'ny tanin'ny Filistina i Abrahama.

22

1Ary tao aorian'ireo zavatra maro ireo no nitsapan'Andriamanitra an'i Abrahama. Hoy Izy taminy hoe: "Ry Abrahama!" Hoy Abrahama hoe: "Inty aho." 2Hoy Andriamanitra avy eo hoe: "Alaivo ny zanakao lahy, ilay lahy tokanao, izay tianao, dia Isaka, ary ento any amin'ny tanin'i Moria. Atolory any toy ny fanatitra dorana eny ambonin'ny iray amin'ireo tendrombohitra any, izay ho lazaiko anao izy. 3Ary nifoha maraim-be i Abrahama, nanisy lasely ny borikiny ary naka tovolahy roa hiaraka aminy sy Isaka zanany lahy. Notapahiny ny hazo ho amin'ilay fanatitra dorana, avy eo dia nanomboka ny diany ho any amin'ilay toerana nolazain'Andriamanitra taminy.

4Tamin'ny andro fahatelo Abrahama dia nitady ary nahita ilay toerana avy lavitra. 5Hoy Abrahama tamin'ireo mpanompony hoe: "Mijanòna eto miaraka amin'ny boriky fa izaho sy ilay zazalahy handeha ho eny. Hanao fanompoana izahay dia hiverina eto aminareo indray." 6Avy eo dia nandray ny hazo ho amin'ilay fanatitra dorana i Abrahama ary nametraka izany teo amin'Isaka zanany. Nentiny teny an-tanany ny afo sy ny antsy; ary dia niara-nandeha izy roa.
7Niteny tamin'i Abrahama rainy i Isaka hoe: "Ry raiko," ary hoy izy hoe: "Inty aho ry zanako." Hoy izy hoe: "Jereo, indreo ny afo sy ny hazo fa aiza ilay ondry ho atao fanatitra dorana?" 8Hoy Abrahama hoe: "Andriamanitra mihitsy no hamatsy ilay ondry ho atao fanatitra dorana, ry zanako." Ka dia nandeha niaraka izy roa.
9Rehefa tonga teo amin'ilay toerana izay nolazain'Andriamanitra azy izy ireo dia nanamboatra alitara Abrahama ary nametraka ilay hazo teo amboniny. Avy eo dia namatotra an'Isaka zanany izy ary nametraka azy teo ambony alitara, ambonin'ilay hazo. 10Naninjitra ny tanany Abrahama ary naka ilay antsy hamonoana ny zanany.
11Avy eo dia niantso azy avy any an-danitra ny anjelin'i Yaveh ary niteny hoe: "Abrahama, Abrahama!" ary hoy izy hoe: "Inty aho." 12Hoy izy hoe: "Aza maninjitra ny tananao amin'ny zazalahy, na manao zavatra handratra azy satria fantatro ankehitriny fa matahotra an'Andriamanitra ianao rehefa hita fa tsy niaro ny zanakao lahy, ilay zanakao lahitokana, avy amiko ianao."
13Nitodika Abrahama ary indro nisy ondry lahy nisaringotra tamin'ireo kirihitra ireo ny tandrony. Nandeha i Abrahama ary naka ilay ondry lahy ary nanao izany fanatitra dorona izany ho solon'ny zanany lahy. 14Koa dia nantsoin'i Abrahama hoe: "Yaveh no hamatsy" ilay toerana, ary nolazaina hatramin'izao andro izao hoe: "Eny amin'ny tendrombohitr'i Yaveh no hamatsiana."
15Niantso an'i Abrahama fanindroany avy any an-danitra ny anjelin'i Yaveh 16ary niteny hoe—izao ny fanambaran'i Yaveh—amin'ny tenako no nianianako fa satria nahavita izany zavatra izany ianao, ary tsy niaro ny zanakao lahy, ilay zanakao lahy tokana, 17hitahy anao tokoa Aho ary hampitombo fatratra ireo taranakao toy ireny kintana eny amin'ireo lanitra sy toy ireo fasika eny amoron-dranomasina; ary ireo taranakao ireo dia ho tompon'ny vavahadin'ireo fahavalon'izy ireo.
18Ireo firenena rehetra eto ambonin'ny tany dia ho voatahy amin'ny alalan'ny taranakao satria nankatoa ny feoko ianao." 19Noho izany dia niverina teo amin'ireo zatovony i Abrahama, dia nanainga izy ireo ary nandeha niaraka nankany Beri-sheba, ary nonina tao Beri-sheba izy.
20Tao aorian'ireo zavatra ireo no nilazana tamin'i Abrahama hoe: "niteraka zaza tamin'i Nahora rahalahinao koa i Milka." 21Dia i Oza izay lahimatoany, Boza rahalahiny, Kemoela rain'i Arama, 22Kaseda, Hazo, Pildasy, Jidiafa ary i Betoela.
23Ary Betoela niteraka an'i Rebeka. Ireo zaza valo ireo no naterak'i Milka tamin'i Nahora, rahalahin'i Abrahama. 24Ary ny vaditsindranony izay nantsoina hoe Reoma ihany koa dia niteraka an'i Teba, Gahama, Tahasy ary Meaka.

23

1Niaina fito amby roapolo amby zato taona i Saraha. Izany ny taona niainan'i Saraha. 2Saraha dia maty tao Kiriata Arba, izany hoe, Hebrona, tao amin'ny tany Kanàna. Nisaona sy nitomany an'i Saraha i Abrahama.

3Avy eo dia nitsangana ka niainga avy eo amin'ny fatin'ny vadiny, ary niresaka tamin'ireo zanaka lahin'i Heta, nanao hoe: 4"Vahiny aho eto aminareo. Mba omeo toerana fandevenana eto aminareo re aho, mba hafahako mandevina ny faty izay ahy."
5Namaly an'i Abrahama ireo zanaka lahin'i Heta, nanao hoe: 6"Mihainoa anay, ry tompoko. Andrian-dehibe an'Andriamanitra eto aminay ianao. Aleveno amin'ireo fasanay izay safidinao indrindra ny fatin'ny vadinao. Tsy misy na iza na iza aminay handà izany fasana izany ho anao, mba hafahanao mandevina ny fatin'ny vadinao."
7Nitsangana Abrahama ka nandohalika tamin'ireo olona teo an-toerana, tamin'ireo zanaka lahin'i Heta. 8Niteny tamin'izy ireo izy, nanao hoe: "Raha manaiky ianareo fa tokony handevina ny fatin'ny vadiko aho, dia henoy aho ary hiangavio i Efrona zanaka lahin'i Zohara, ho ahy. 9Angataho izy mba hivarotra amiko ilay lava-baton'i Makpela, izay azy, any amin'ny faran'ny sahany. Amin'ny vidiny feno dia aoka izy hivarotra izany amiko ampahibemaso ho toy ny fananana ho toerana fandevenana."
10Ary Efrona nipetraka teo amin'ireo zanaka lahin'i Heta, ary Efrona ilay Hetita namaly an'i Abrahama mba ho ren'ireo zanaka lahin'i Heta, sy ireo rehetra izay tonga teo amin'ny vavahadin'ny tanànany, nanao hoe: 11"Tsia, ry tompoko, henoy aho. Nanome saha anao aho, sy ny lava-bato izay ao amin'izany. Nomeko ho anao teo anatrehan'ireo zanaka lahin'ny oloko izany. Omeko anao izany mba handevenanao ny faty izay anao."
12Avy eo Abrahama nampiankohoka ny tenany nanoloana ny olona teo an-toerana. 13Niteny tamin'i Efrona izy mba ho ren'ny olona teo amin'ilay tanàna, nanao hoe: "Kanefa raha sitrakao, henoy re aho. Ho vidiako ny saha. Raiso ny vola avy amiko, ary handevina ny fatin'ny vadiko eny aho."
14Efrona namaly an'i Abrahama, nanao hoe: 15"Aoka re, ry tompoko, mihainoa re ahy. Sekely volafotsy efajato no sahaza ny ampahan-tany iray, ho inona amintsika sy ianao izany? Aleveno ny fatin'ny vadinao." 16Nohenoin'i Abrahama i Efrona ka nolanjainy ho an'i Efrona ny fatran'ny volafotsy izay noresahiny mba ho ren'ireo zanaka lahin'i Heta, sekely volafotsy efajato, araka ny fandanjana mahazatra ny mpivarotra.
17Noho izany ny tanin'i Efrona, izay tao Makpela, teo akaikin'i Mamre, izany hoe, ilay saha, ilay lava-bato izay ao amin'izany, sy ireo hazo rehetra izay eo amin'ny tany sy manodidina ny sisiny, dia lasan'i 18Abrahama tamin'ny fividianana izany teo anatrehan'ireo zanaka lahin'i Heta, teo anatrehan'ireo rehetra izay tonga teo amin'ilay vavahadin'ny tanànany.
19Tao aorian'izany, dia nandevina an'i Saraha vadiny tao amin'ilay lava-baton'ilay sahan'i Makpela i Abrahama, izay teo akaikin'i Mamre, izany hoe, Hebrona, tao amin'ny tany Kanana. 20Noho izany ny saha sy ny lava-bato ao izay dia lasa fananan'i Abrahama ho toeram-pandevenana, izany dia avy amin'ireo zanaka lahin'i Heta.

24

1Ary efa tena antitra tokoa Abrahama ary notahian'Andriamanitra tamin'ny zavatra rehetra. 2Hoy Abrahama tamin'ny mpanompony, izay zokiny indrindra teo amin'ny ankohonany ary nanapaka teo amin'ny izay rehetra nananany hoe: "Apetraho eo ambanin'ny feko ny tananao 3ary asaiko mianiana amin'i Yaveh, ilay Andriamanitry ny lanitra sy Andriamanitry ny tany ianao, mba tsy haka vady ho an'ny zanako lahy avy amin'ireo zanaka vavin'ny Kananita, eo amin'ireo izay hanorenako ny fonenako. 4Fa handeha ho any amin'ny fireneko ianao, any amin'ireo havako, ka makà vady ho an'Isaka zanako lahy."

5Hoy ilay mpanompo taminy hoe: "Ahoana raha tsy vonona ny handeha hanaraka ahy ho aty amin'ity tany ity ilay vehivavy? Tsy maintsy hitondra ny zanakao hiverina any amin'ny tany niavianao ve aho?" 6Dia hoy Abrahama taminy hoe: "Mahazò antoka ny tsy hitondranao ny zanako lahy hiverina any! 7Yaveh, ilay Andriamanitry ny lanitra, izay naka ahy avy tao an-tranon'ny raiko sy avy tany amin'ny tanin'ny havako, sady nampanantena ahy tamin'ny fianianana manetriketrika nilaza hoe: 'Omeko ho an'ny taranakao ity tany ity,' Izy no haniraka ny anjeliny hialoha anao, ary hahita vady ho an'ny zanako any ianao.
8Saingy raha tsy vonona ny hanaraka anao ilay vehivavy, dia ho afaka amin'ny fianianako ianao. Tsy tokony hitondra ny zanako miverina any fotsiny ianao." 9Koa nametraka ny tanany tao ambanin'ny fen'i Abrahama tompony ilay mpanompo, ary nianiana mahakasika izany raharaha izany.
10Naka folo tamin'ny ramevan'ny tompony ilay mpanompo ary nandeha. Nitondra ireo karazam-panomezana rehetra avy tamin'ny tompony ihany koa izy. Niainga izy ka nandeha tany amin'ny faritr'i Arama Naharaima, tany amin'ny tanànan'i Nahora. 11Nataony nipetraka teny ivelan'ny tanàna teo akaikin'ny fatsakan-drano ireo rameva. Hariva tamin'izany, fotoana fivoahan'ny vehivavy hatsaka rano.
12Hoy izy avy eo hoe: "Yaveh, Andriamanitr'i Abrahama tompoko, omeo ahy anio ny fanambinana ary asehoy ny tsy fivadiham-panekena amin'i Abrahama tompoko. 13Indro, inty aho mitsangana eto akaikin'ny loharano, ary mivoaka mba haka rano ireo zanaka vavin'ny olon'ny tanàna. 14Aoka ho tanteraka tahaka izao izany. Rehefa milaza amina vehivavy iray aho hoe: 'Mba ampidino re ny sininao mba hafahako misotro,' ka miteny amiko izy hoe: 'misotroa, ary homeko rano ihany koa ireo ramevanao,' dia aoka ho izy ilay iray izay notendrenao ho an'Isaka mpanomponao. Amin'izany no hahitako fa nampiseho tsy fivadiham-panekena tamin'ny tompoko Ianao."
15Ary mbola tsy nahavita niteny akory aza izy, dia indro, nivoaka niaraka tamin'ny sinin-dranony teo an-tsorony i Rebeka. Rebeka dia naterak'i Betoela, zanaka lahin'i Milka, vadin'i Nahora, rahalahin'i Abrahama. 16Tsara tarehy tokoa ilay tovovavy sady virijiny. Tsy mbola nisy lehilahy nandry taminy. Nandeha nidina teny amin'ilay loharano izy ka nameno ny sininy, ary niakatra.
17Ary nihazakazaka mba hihaona aminy ilay mpanompo ary niteny hoe: "Mba omeo rano kely ho sotroina amin'ny sininao re aho." 18Hoy izy hoe: "Misotroa, tompoko," ary nampidininy faingana ho eo an-tanany ilay siny, ka nomeny rano izy.
19Rehefa avy nanome ho sotroina ho azy izy, dia niteny hoe: "Hisintomako rano ihany koa ireo ramevanao, ambara-pisotron'izy ireo hatramin'ny farany." 20Koa nahidiny faingana ary noritrainy ny rano tao anaty sininy ho eo amin'ny tavy fisotroana, ary niverina nihazakazaka nankeo amin'ny fantsakana mba haka rano izy, ary naka rano ho an'ireo ramevany rehetra.
21Nandinika azy mangingina ilay lehilahy mba hahitany raha nanambina ny diany Yaveh na tsia. 22Rehefa avy nisotro rano ireo rameva, dia namoaka kavin'orona volamena milanja antsasaka sekely, sy firavaka volamena anankiroa fanao amin'ny sandry milanja folo sekely ralehilahy, 23ary nanontany hoe: "Zanaka vavin'iza moa ianao? Mba lazao ahy, misy efitra mba handanianay ny alina ve ao an-tranon'ny rainao?"
24Hoy izy taminy hoe: "Zanaka vavin'i Betoela zanaka lahin'i Milka, izay naterany tamin'i Nahora aho." 25Hoy ihany koa izy taminy hoe: "Ary manana mololo sy vilona be dia be ihany koa izahay, ary toerana ho anareo mba handaniana ny alina."
26Avy eo dia niankohoka ilay lehilahy ary nitsaoka an'i Yaveh. 27Hoy izy hoe: "Deraina anie Yaveh, ilay Andriamanitr'i Abrahama tompoko, izay tsy nahafoy ny tsy fivadiham-panekeny sy ny fahamendreham-pitokisany nanoloana ny tompoko. Raha ny amiko, dia nentin'i Yaveh mivantana tao an-tranon'ny havan'ny tompoko aho."
28Avy eo nihazakazaka ilay tovovavy ary nitantara tamin'ny ankohonan-dreniny momba izany zavatra rehetra izany. 29Ary nanana anadahy i Rebeka, Labana no anarany. Nihazakazaka nankany amin'ilay lahilahy izay teny an-dalana tany ivelany teo akaikin'ny fantsakana i Labana. 30Rehefa nahita ny kavin'orona sy ireo firavaka teo amin'ny sandrin'ny anabaviny izy, ary rehefa nandre ny tenin'i Rebeka anabaviny hoe: "Izao no nolazain'ilay lehilahy tamiko," dia nankany amin'ilay lehilahy izy, ary indro, nijoro niaraka tamin'ireo rameva teo akaikin'ny fantsakana izy.
31Dia hoy Labana hoe: "Avia, ianao ry voatahin'i Yaveh. Nahoana ianao no mijoro eny ivelany eny? Efa nanomana ny trano, ary ny toeran'ireo rameva aho." 32Koa dia niditra tao an-trano ilay lehilahy ary nampidina ny entana teo amin'ireo rameva izy. Nomena mololo sy vilona ireo rameva, ary nisy rano novatsiana hanasana ny tongony sy ny tongotr'ireo lehilahy izay niaraka taminy.
33Nandroso sakafo teo anoloany ho hanina izy ireo, saingy hoy izy hoe: "Tsy hihinana aho raha tsy efa voalazako izay tokony hambarako." Koa dia hoy Labana hoe: "Lazao ary." 34Hoy izy hoe: "Mpanompon'i Abrahama aho. 35Nitahy azy tokoa Yaveh ary nanjary lasa olona manam-be izy. Nanome azy ondry aman'osy sy omby, volafotsy sy volamena, mpanompo lahy sy mpanompo vavy, ary rameva sy boriky Izy.
36Saraha, vadin'ny tompoko, dia niteraka zaza lahy ho an'ny tompoko tamin'ny fahanterany, ary nomeny azy avokoa ny zavatra nananany. 37Nasain'ny tompoko nianiana aho, tamin'ny nilazany hoe: 'Ianao tsy mahazo maka vady ho an'ny zanako lahy avy amin'ireo zanaka vavin'ny Kananita, izay nataoko fonenana ny taniny. 38Fa kosa, tsy maintsy mandeha mankany amin'ny fianakavian-draiko ianao, ary any amin'ireo havako, ka haka vady ho an'ny zanako.'
39Hoy aho tamin'ny tompoko hoe: 'Mety tsy hanaraka ahy ilay vehivavy.' 40Fa hoy kosa izy tamiko hoe: 'Yaveh, izay andehanako eo anoloana, dia haniraka anjely hiaraka aminao ary hanambina ny lalanao izy, mba hahazoanao vady ho an'ny zanako lahy eo amin'ireo havako sy avy amin'ny firazanan'ny raiko. 41Saingy ho afaka amin'ny fianianako ianao raha mankany amin'ireo havako ka tsy hanome azy ho anao izy ireo. Dia ho afaka amin'ny fianianako ianao.'
42Koa dia tonga teo amin'ny loharano aho androany, ary niteny hoe: "Yaveh o, Andriamanitr'i Abrahama tompoko, aoka re, raha tena manao izay hanambinana ny diako tokoa Ianao— 43indro aho, mijoro eto akaikin'ny loharano—aoka izay tovovavy mivoaka hantsaka rano, izay vehivavy hilazako hoe: "Mba omeo rano kely amin'ny sininao re aho mba ho sotroina," 44izay vehivavy milaza amiko hoe: "Misotroa, ary haka rano ho an'ny ramevanao ihany koa aho,"—aoka ho izy ilay vehivavy izay nosafidianao, ry Yaveh, ho an'ny zanaka lahin'ny tompoko.'
45Raha mbola tsy nahavita niteny tao am-poko akory aho, dia indro, nivoaka niaraka tamin'ny sininy teo an-tsorony i Rebeka ary nandeha nidina ho eo amin'ny loharano izy ka naka rano. Ka hoy aho taminy hoe: 'Mba omeo rano re aho.' 46Nampidina faingana ny sininy avy teo an-tsorony izy ary nilaza hoe: 'Misotroa, ary hanome rano ho an'ny ramevanao ihany koa aho.' Koa dia nisotro aho, ary nomeny rano ihany koa ireo rameva.
47Nanontany taminy aho ary niteny hoe: 'Zanak'iza moa ianao?' Hoy izy hoe: 'Zanaka vavin'i Betoela, zanak'i Nahora, izay naterak'i Milka taminy.' Dia napetrako teo amin'ny orony ny kavina ary teo amin'ny sandriny ireo ravaka. 48Avy eo aho niankohoka ka nihoby an'i Yaveh, ilay Andriamanitry ny tompoko, izay nitondra ahy tamin'ny lalana marina mba hahita ny zanaka vavin'ny havan'ny tompoko ho an'ny zanany lahy.
49Koa ankehitriny, raha vonona ny hitondra ny tompoko amin'ny fitokiam-pianakaviana sy fahamendreham-pitokiana ianareo, dia ambarao amiko. Kanefa raha tsy izany, dia lazao ahy, mba hitodiako miankavia na miankavanana."
50Avy eo Labana sy Betoela namaly ka nanao hoe: "Avy amin'i Yaveh izany zavatra izany; tsy afaka ny hilaza aminao na ratsy na tsara izahay. 51Indro, eo anoloanao i Rebeka. Ento izy ary mandehana, mba ho vadin'ny zanaky ny tomponao, araka ny nolazain'i Yaveh."
52Rehefa nandre ny tenin'izy ireo ilay mpanompon'i Abrahama, dia niankohoka tamin'ny tany teo amin'i Yaveh izy. 53Nitondra karazan-javatra volafotsy sy karazan-javatra volamena ilay mpanompo, ary fitafiana, ka nomeny ho an'i Rebeka ireo. Nanolotra fanomezana sarobidy ho an'ny anadahiny sy ny reniny ihany koa izy.
54Avy eo dia nihinana sy nisotro izy sy ireo lehilahy izay niaraka taminy. Nitoetra tao nandritry ny alina izy ireo, ary rehefa nifoha maraina, dia hoy izy hoe: "Alefaso any amin'ny tompoko aho." 55Hoy ny anadahiny sy ny reniny hoe: "Avelao mba hitoetra miaraka aminay mandritry ny andro vitsivitsy ny tovovavy, mba folo andro farafahakeliny. Aorian'izany dia afaka mandeha izy."
56Fa hoy izy tamin'izy ireo hoe: "Aza hazonina aho, satria nanambina ny lalako Yaveh. Alefaso amin'ny lalako aho mba hafahako mandeha any amin'ny tompoko." 57Hoy izy ireo hoe: "Hiantso ny tovovavy izahay ary hanontany azy." 58Koa dia niantso an'i Rebeka izy ireo ary nanontany taminy hoe: "Handeha hiaraka amin'io lehilahy io ve ianao?" Dia namaly izy hoe: "Handeha aho."
59Koa dia nalefan'izy ireo tamin'ny diany niaraka tamin'ny mpanompon'i Abrahama sy ireo olony i Rebeka anabaviny, niaraka tamin'ny mpanompo vaviny. 60Nitso-drano an'i Rebeka izy ireo, ary nilaza taminy hoe: "Ranabavy, ho renin'ny aman'arivony sy aman'aliny anie ianao, ary ho tompon'ny vavahadin'ireo izay mankahala azy anie ireo taranakao."
61Avy eo nitsangana Rebeka, ka nitaingina ny rameva izy sy ireo mpanompo vaviny, ary nanaraka ilay lehilahy. Koa nentin'ilay mpanompo i Rebeka, ary roso tamin'ny lalany izy. 62Ary nipetraka tany Negeva Isaka, ary vao niverina avy tany Bera-lahai-roy.
63Nandeha nivoaka hariva mba hivavaka tany an-tsaha Isaka. Rehefa niandrandra izy dia nahita, indreny, nisy rameva tamy! 64Nitazana Rebeka, ary rehefa nahita an'i Isaka izy, dia nitsambikina nidina avy teo amin'ny rameva. 65Hoy izy tamin'ilay mpanompo hoe: "Iza iny lehilahy tonga hitsena antsika avy eny an-tsaha iny?" Namaly ilay mpanompo hoe: "Iny no tompoko." Koa nalain'i Rebeka ny voaliny, ary nosaronany ny tenany.
66Namerina nitantara tamin'Isaka ny zavatra rehetra nataony ilay mpanompo. 67Ary nitondra azy tao an-dain'i Saraha reniny i Isaka ka naka an'i Rebeka, dia lasa vadiny izy, ary tiany. Koa nionona Isaka taorian'ny fahafatesan-dreniny.

25

1Naka vady hafa i Abrahama; Ketora no anarany. 2Niteraka an'i Zamrana, Joksana, Medana, Midiana, 3Jisbaka ary Soaha izy. Joksana niteraka an'i Sheba sy Dedana. Ireo taranak'i Dedana dia olona Asorima, olona Letosima, ary Leomima. 4Efaha no zanaka lahin'i Midiana, Efera, Hanoka, Abida, ary Eldaha. Ireo rehetra ireo no taranak'i Ketora.

5Nomen'i Abrahama an'Isaka izay nananany rehetra. 6Fa kosa, fony mbola velona izy, dia nanome fanomezana an'ireo zanaky ny vaditsindranony ary nandefa azy ireo tany amin'ny tany antsinanana, lavitra an'Isaka, zanany.
7Ary ny andro niainan'i Abrahama dia 175 taona. 8Niala aina Abrahama ka maty tratra antitra, lehilahy zokiolona voky andro, ary dia nangonina ho any amin'ireo olony izy.
9Isaka sy Ismaela, zanany lahy, no nandevina azy tao amin'ilay lava-baton'i Makpela, tao amin'ny sahan'i Efrona zanak'i Zohara Hetita, izay eo akaikin'ny Mamre. 10Novidian'i Abrahama tamin'ireo zanaka lahin'i Heta izany saha izany. Nalevina tany niaraka tamin'i Saraha vadiny i Abrahama. 11Tao aorian'ny nahafatesan'i Abrahama, dia nitahy an'i Isaka zanany lahy Andriamanitra, ary Isaka nonina nanakaiky an'i Bera-lahai-roy.
12Ary ireto ny taranak'Ismaela, zanak'i Abrahama, izay naterak'i Agara Egyptiana, mpanompon'i Saraha, tamin'i Abrahama.
13Ireto no anaran'ny zanak'Ismaela, araka ny filaharan'ny fahaterahany: Nabaiota—ilay lahimatoan'Ismaela, Kedara, Adbela, 14Mibsama, Masmà, Domà, Masa, 15Hadada, Tema, Jetora, Nafisy, ary Kedma. 16Ireo avy no zanaka lahin'Ismaela, ary ireo ny anaran'izy ireo, araka ny tanànany, sy ny toby misy azy ireo; andrian-dahy roa ambin'ny folo araka ny fokon'izy ireo.
17Ny andro niainan'i Ismaela dia 137 taona: niala aina izy ary maty, ary dia nangonina ho any amin'ireo olony izy. 18Nonina tany Havila ka hatrany Sora izy ireo, izay nanakaiky an'i Egypta, ilay iray izay mankany Asyria. Niaina tamin'ny fifankahalana izy ireo.
19Ireto avy ireo tranga nahakasika an'Isaka, zanaka lahin'i Abrahama: tonga rain'Isaka i Abrahama. 20Efapolo taona Isaka raha naka vady an'i Rebeka izy, ilay zanaka vavin'i Betoela ilay Syrian'i Padan-Arama, ilay anabavin'i Labana Syriana.
21Nivavaka tamin'i Yaveh ho an'ny vadiny i Isaka satria momba izy, ary namaly ny vavaka nataony Yaveh, ka nitoe-jaza Rebeka. 22Niady ireo zaza tao an-kibony, ary nilaza izy hoe: "Nahoana izany no miseho amiko?" Koa nandeha nanontany an'i Yaveh momba izany izy.
23Nilaza taminy Yaveh hoe: "Firenena roa no ao an-kibonao, ary vahoaka roa no ho sarahana avy ao anatinao. Ny vahoaka iray dia mafimafy kokoa noho ilay hafa, ary ny zokiny dia hanompo ny zandriny."
24Rehefa tonga ny fotoana hahaterahany, dia indro, nisy kambana tao an-kibony. 25Nivoaka ny zaza voalohany ary dia mena tanteraka toy ny lamba voloina. Esao no niantsoan'izy ireo azy. 26Tao aorian'izany, dia nivoaka ny rahalahiny. Nihazona ny voditongotr'i Esao ny tanany. Jakoba no niantsoana azy. Enimpolo taona Isaka raha niteraka azy ireo ny vadiny.
27Nitombo ireo zaza, ary lasa mpihaza mahay Esao, lehilahy iray tantsaha; kanefa Jakoba dia lehilahy tsy be teny, izay nandany ny fotoany tao an-day. 28Ary dia Esao no tian'Isaka satria nihinana ireo biby izay voahazany izy, fa i Jakoba kosa no tian'i Rebeka.
29Ary nahandro hanina i Jakoba. Dia tonga avy tany an-tsaha Esao, ary nalemin'ny hanohanana izy. 30Hoy Esao tamin'i Jakoba hoe: "Mamelà ahy hihinana amin'ity hanina mena ity. Miangavy re, fa valaka loatra aho!" Izany no antony hilazàna ny anarany hoe Edoma.
31Nilaza i Jakoba hoe: "Amidio amiko aloha ny fizokianao." 32Ary hoy Esao hoe: "Jereo, efa ho faty aho. Inona ny soa azoko avy amin'ny fizokiana?" 33Ary nilaza Jakoba hoe: "mianianà aloha amiko," ka nianiana taminy i Esao ary tamin'izany dia nivarotra ny fizokiany tamin'i Jakoba izy. 34Nomen'i Jakoba mofo sy hanina vita amin'ny voanemba i Esao. Nihinana sy nisotro izy, ary avy eo dia nitsangana ka nandeha. Tamin'izany fomba izany no nanaovan'i Esao tsinontsinona ny fizokiany.

26

1Ary nisy mosary nitranga teo amin'ilay tany, ankoatran'ilay niseho voalohany tamin'ny andron'i Abrahama. Nankany amin'i Abimeleka, mpanjakan'ny Filistina tany Gerara i Isaka.

2Ary niseho taminy Yaveh ary niteny hoe: "Aza midina any Egypta ianao; mitoera amin'ny tany izay lazaiko anao. 3Mijanòna amin'io tany io, homba sy hitahy anao Aho; fa ho anao sy ho an'ireo taranakao, no hanomezako ireo tany rehetra ireo, ary ho tanterahiko ny fianianana izay nianianako tamin'i Abrahama rainao.
4Ho hampitomboiko toy ireo kintan'ny lanitra ireo taranakao, ary homeko ireo taranakao ireo tany rehetra ireo. Avy amin'ireo taranakao no hitahiana ireo firenena rehetra eto an-tany. 5Ho ataoko izany satria Abrahama dia nankatò ny feoko sy nitandrina ireo toro-lalako, ireo didiko, ireo fanambarako, ary ireo lalàko."
6Koa dia nanorim-ponenana tany Gerara i Isaka. 7Rehefa nanontany azy momban'ny vadiny ireo lehilahy teo an-toerana, dia hoy izy hoe: "Anabaviko izy." Natahotra izy hilaza hoe: "Vadiko izy," satria niheritreritra izy hoe: "Hamono ahy ireo lehilahy eto an-toerana mba hahazoana an'i Rebeka, satria tena tsara tarehy izy." 8Rehefa nitoetra ela tao Isaka, dia nisy fotoana Abimeleka mpanjakan'i Filistina nitazana teo ambaravarankely. Indro, hitany i Isaka nanafosafo an'i Rebeka, vadiny.
9Nampiantso an'Isaka i Abimeleka ary niteny hoe: "Ita tokoa izao fa vadinao izy. Nahoana ianao no niteny hoe: 'Anabaviko izy'?" Hoy Isaka taminy hoe: "Satria nihevitra aho fa ho vonoin'ny olona aho mba hahazoana azy." 10Hoy Abimaleka hoe: "Fa inona izao nataonao anay izao? Mety efa nisy olona iray tamin'ireo vahoaka niaraka natory mora foana tamin'ny vadinao, ary dia nitondra fanamelohana eto aminay ianao." 11Koa nampitandrina ny olona rehetra Abimeleka ary niteny hoe: "Na iza na iza mikasika io lehilahy io na ny vadiny dia azo antoka fa tena ho vonoina tokoa."
12Namboly masom-boly tamin'izany tany izany Isaka ary nahavokatra avo zato heny tamin'io taona io ihany, satria nitahy azy Yaveh. 13Lasa nanan-karena ralehilahy, ary nitombo hatrany izany mandra-pahatonga azy ho mpanakarem-be. 14Nanana ondry sy omby, ary ankohonana marobe izy. Nialona azy ireo Filistina.
15Ary ireo fantsakana rehetra izay nohadian'ireo mpanompon'ny rainy tamin'ny andron'i Abrahama rainy, dia natsahatr'ireo Filistina izany tamin'ny fanotofana tany izany. 16Hoy Abimeleka tamin'Isaka hoe: "Mialà lavitra anay, satria mahery lavitra noho izahay ianao." 17Koa dia niala teo Isaka ary nanorim-ponenana tany an-dohasahan'i Gerara, ary nonina tany.
18Naverin'Isaka nohadiana indray ireo lava-drano, izay efa voahady tamin'ny andron'i Abrahama rainy. Izay efa novonoin'ireo Filistina taorian'ny nahafatesan'i Abrahama. Ireo lava-drano ireo dia nataon'Isaka tahaka izay efa niantsoan'ny rainy azy ihany.
19Rehefa nandavaka teny an-dohasaha ny mpanompon'Isaka, dia nahita loharano velona teny izy ireo. 20Nifanditra tamin'ny mpiandry ombin'Isaka ireo mpiandry omby tao Gerara, ary niteny hoe: "Anay io rano io." Koa dia nantsoin'Isaka hoe "Eseka" ilay lava-drano, satria nifanditra taminy izy ireo.
21Ary dia nihady lava-drano hafa indray izy ireo, ary mbola nifandiran'izy ireo koa izany, ka dia nantsoiny hoe "Sitna" izany. 22Niala teo izy ary mbola nihady lava-drano hafa, kanefa tsy mba nifandiran'izy ireo izany. Ary dia natsoiny hoe "Rehobota" izany, ary hoy izy hoe: "Ankehitriny efa nanamboatra fonenana ho antsika Yaveh, ary ho hambinina eo amin'ilay tany isika."
23Dia niakatra avy tany Isaka ka nankany Beri-sheba. 24Niseho taminy i Yaveh tamin'io alina io ihany ary niteny hoe: "Izaho no Andriamanitr'i Abrahama rainao. Aza matahotra, fa homba sy hitahy anao Aho ary hampitombo ireo taranakao, noho ny amin'i Abrahama mpanompoko." 25Nanorina alitara teo Isaka ary niantso ny anaran'i Yaveh. Teo no nanorenany ny lainy, ary nandavaka fantsakana ireo mpanompony.
26Avy eo Abimeleka niala tao Gerara ho any aminy, niaraka tamin'i Ahozata, namany, ary Pikola lehiben'ny tafikany. 27Hoy Isaka tamin'izy ireo hoe: "Nahoana ianareo no makaty amiko, nefa nankahalana ahy sy nandroaka ahy taminareo ianareo.
28Avy eo hoy izy ireo hoe: "Hitanay tsara izao fa efa nomba anao Yaveh. Ka dia nanapa-kevitra izahay fa tokony hisy fianianana eo amintsika, eny, eo aminay sy ianao. Aoka izahay hanao fifanekena aminao, 29fa tsy hanao ratsy anay ianao, tahaka ny tsy nanaovanay ratsy taminao, sy tahaka ny fomba tsara nitondranay anao ary nandefasanay am-pitoniana anao. Voatahin'i Yaveh tokoa ianao."
30Ary dia nanao sakafo be ho azy ireo i Isaka, ka nihinana sy nisotro izy ireo. 31Nifoha maraim-be izy ireo ary nifampianiana. Avy eo dia nalefan'Isaka nandeha izy ireo, ary nandao azy am-pitoniana izy ireo.
32Tamin'io andro io ihany dia nanatona ireo mpanompon'Isaka ary nilaza taminy momban'ny lava-drano izay nohadian'izy ireo. Hoy izy ireo hoe: "Efa nahita rano izahay." 33Nantsoiny hoe Sheba ilay lava-drano, ary ny anaran'izany tanàna izany dia Beri-sheba mandrak'ankehitriny.
34Rehefa efapolo taona Esao, dia naka vady an'i Jodita zanaka vavin'i Bery Hetita, sy Basemata zanaka vavin'i Elona Hetita. 35Nampitondra fahoriana an'i Isaka sy Rebeka izy ireo.

27

1Rehefa antitra Isaka ka mpahina ireo masony koa dia tsy nahita izy, ary nampiantso an'i Esao, zanany lahimatoa izy, ka niteny taminy hoe: "Ry zanako." Ary hoy izy taminy hoe: "Inty aho." 2Ary hoy izy hoe: "Henoy tsara, efa antitra aho. Tsy fantatro ny andro hahafatesako.

3Noho izany raiso ireto fitaovam-piadianao, ny fitifitrao ary ny tsipïkao, ka mandehana any an-tsaha ary mihazà bibi-dia ho ahy. 4Handrahoy sakafo matsiro, amin'ilay tena tiko aho, ary ento aty amiko izany hafahako mihinana izany sy hanomezako tso-drano anao mialohan'ny hahafatesako."
5Ary ren'i Rebeka izany rehefa niresaka tamin'i Esao zanany lahy i Isaka. Nankany an-tsaha i Esao mba hihaza bibi-dia ary hitondra izany hody. 6Niresaka tamin'i Jakoba zanany i Rebeka ary niteny hoe: "Henoy tsara, reko ny rainao niresaka tamin'i Esao rahalahinao. Hoy izy hoe: 7'Hitondray haza aho ary hanamboary sakafo matsiro, mba hahafahako mihinana izany sy hanomezako tso-drano anao eo anatrehan'i Yaveh mialohan'ny hahafatesako.'
8Ary noho izany, ry anaka, dia ankatoavy ny teniko araka izay handidiako anao. 9Mandehana mankany amin'ny ondry aman'osy, ka angalao zanak'osy roa tsara aho; dia hanao sakafo matsiro amin'ireo ho an'ny rainao aho, tahaka ny tiany. 10Ary ho entinao mankany amin'ny rainao izany, mba hahafahany mihinana izany, ka hanomezany tso-drano anao mialohan'ny hahafatesany."
11Niteny tamin'i Rebeka reniny i Jakoba hoe: "Jereo, Esao rahalahiko dia lehilahy voloina, fa izaho kosa dia lehilahy malama hoditra. Mety hikasika ahy ny raiko, ka ho fantany fa mamitaka azy aho. 12Hitondra ozona amin'ny tenako aho fa tsy tso-drano."
13Hoy ny reniny taminy hoe: "Anaka, aleo ny rainao hanozona ahy. Araho fotsiny ny teniko, dia mandehana, ento aty amiko ireo." 14Koa nandeha naka ireo zanak'osy i Jakoba ary nitondra ireo tany amin'ny reniny, ka nanao sakafo matsiro ny reniny, araka ny hitiavan'ny rainy azy.
15Nalain'i Rebeka ny fitafiana tsara indrindran'i Esao, zanany lahimatoa, izay niaraka taminy tao an-trano, ary nampitafiany an'i Jakoba, ilay zanany faralahy. 16Napetrany teny amin'ny tanany sy ny faritra malama eny amin'ny vozony ny hoditrin'ireo zanak'osy. 17Napetrany teny an-tanan'i Jakoba zanany ilay sakafo matsiro sy ny mofo izay efa nokarakarainy.
18Nankany amin'ny rainy i Jakoba ka nanao hoe: "Raiko o!" Hoy izy hoe: "Inty aho; iza moa ianao, anaka?" 19Hoy Jakoba tamin'ny rainy hoe: "Esao ilay lahimatoanao; efa vitako izay nasainao nataoko. Mipetraha ary mihinàna ny hazako, mba hitsofanao rano ahy."
20Hoy Isaka tamin'ny zanany lahy hoe: "Ahoana no nataonao nahitana izany tao anaty fotoana fohy anaka?" Hoy izy hoe: "Satria Yaveh Andriamanitrao no nitondra izany tamiko." 21Dia hoy Isaka tamin'i Jakoba hoe: "Manatòna eto akaikiko, mba hahafahako mikasika anao, ry zanako, ka hahafantarana raha tena Esao zanako marina ianao na tsia."
22Nanatona an'Isaka rainy i Jakoba; ary nikasika azy Isaka ka nanao hoe: "Ilay feo dia ny feon'i Jakoba, fa ireo tanana kosa dia an'i Esao." 23Tsy nahafantatra azy Isaka, satria voloina ny tanany, tahaka ny tanan'i Esao rahalahiny, ka dia nitso-drano azy Isaka.
24Hoy izy hoe: "Tena Esao zanako marina ve ianao?" Namaly izy hoe: "Izaho tokoa." 25Hoy Isaka hoe: "Arosoy eto amiko ny sakafo fa hohaniko ny hazanao, mba hafahako mitso-drano anao." Nentin'i Jakoba teny aminy ny sakafo. Dia nihinana Isaka, ary nitondran'i Jakoba divay izy, ka nisotro.
26Avy eo dia hoy Isaka rainy taminy hoe: "Manatòna akaiky ahy izao ary orohy aho, anaka." 27Nanatona i Jakoba ka nanoroka azy, ary nifofona ny fofon'ireo akanjony izy ka nitso-drano azy. Hoy izy hoe: "Indro, ny fofon'ny zanako dia tahaka ny fofon'ny saha izay notahian'i Yaveh.
28Andriamanitra anie hanome anao anjara amin'ny andon'ny lanitra, anjara amin'ny tsiron'ny tany, ary voa sy divay vaovao betsaka.
29Hanompo anao anie ireo olona ary hiankohoka eo anatrehanao ireo firenena. Ho tompon'ireo rahalahinao ianao, ary hiankohoka eo anatrehanao anie ireo zanakin'ny reninao. Ho voahozona anie ireo rehetra izay nanozona anao; ary ho tahiana anie ireo rehetra mitso-drano anao."
30Vantany vao avy nitso-drano an'i Jakoba i Isaka, ary nivoaka tamin-tahotra niala teo amin'ny fanatrehan'ny rainy i Jakoba, ary niverina avy nihaza i Esao rahalahiny. 31Nanao sakafo matsiro ihany koa izy ary nitondra izany tany amin'ny rainy. Ho izy tamin'ny rainy hoe: "Ray o, mifohaza ary mihinàna amin'ireto hazan'ny zanakao ireto, mba hahafahanao mitso-drano ahy."
32Hoy Isaka rainy taminy hoe: "Fa iza ianao?" Hoy izy hoe: "Zanakao aho, zanakao lahimatoa, Esao." 33Nangovitra mafy Isaka ka niteny hoe: "Fa iza no nihaza ny osy ary nitondra izany tamiko? Nohaniko daholo izany mialohan'ny natongavanao, ary efa nitso-drano azy aho. Dia ho tahina tokoa izy."
34Rehefa nandre ireo tenin'ny rainy i Esao, dia nitomany mafy, ary niteny tamin'ny rainy hoe: "Tsofy rano ihany koa aho, ry raiko." 35Hoy Isaka hoe: "Ny rahalahinao no efa tonga teto namitaka ahy ary naka ny tso-dranonao."
36Hoy Esao hoe: "Tsy izy ve ilay antsoina hoe Jakoba? Fa izy dia efa namitaka ahy indroa. Efa nalainy ny maha-lahimatoa ahy, ary izao dia mbola nalainy ihany koa ny tso-drano tokony ho ahy." Hoy izy avy eo hoe: "Tsy misy tso-drano efa voatokanao ho ahy ve?" 37Namaly Isaka ary niteny tamin'i Esao hoe: "Indro, efa voahosotro ho tomponareo izy ary efa natolotro ho mpanompony ireo rahalahiny, ary efa nomeko azy ny voa sy divay vaovao. Inona no mbola afaka ataoko ho anao, ry anaka?"
38Hoy Esao tamin'ny rainy hoe: "Tsy mba manana tso-drano na dia iray ho ahy ary ve ianao, ry raiko? Tsofy rano ihany koa aho, ry raiko." Nitomany mafy Esao.
39Namaly Isaka rainy ary niteny taminy hoe: "Indro, ny toerana izay misy anao dia lavitry ny tany lonaka, lavitry ny andon'ny lanitra ambony. 40Amin'ny alalan'ny sabatrao no hivelomanao, ary hanompo ny rahalahinao ianao. Fa rehefa mikomy ianao, dia hanala ny tenanao amin'ny fitondrany."
41Nankahala an'i Jakoba i Esao nohon'ny tso-drano izay nomen'ny rainy azy. Niteny tao am-pony Esao hoe: "Manakaiky ireo andro fisaonana ny raiko; aorian'izay dia ho vonoiko Jakoba rahalahiko." 42Ireo tenin'i Esao zanany lahimatoa dia notantaraina tany amin'i Rebeka. Koa nandefa ary nampiantso an'i Jakoba zanany faralahy izy ary niteny taminy hoe: "Indro, Esao rahalahinao dia mampionona ny tenany amin'ny fikasana hamono anao.
43Ary noho izany, anaka, araho ny teniko ary mandosira any amin'i Labana, anadahiko, ao Harana. 44Mijanona miaraka aminy fotoana fohy, mandra-pihenan'ny fahatezeran'ny rahalahinao, 45mandra-paha-afaka ny hatezeran'ny rahalahinao aminao, ka hanadinoany izay nataonao taminy. Avy eo dia hampaka anao any aho. Ataoko ahona no hamoy anareo roa anatin'ny andro iray?
46Hoy Rebeka tamin'Isaka hoe: "Tezitra mafy aho noho ireo zanakavavin'i Hetita. Raha maka vady amin'ny iray amin'ireo zanakavavin'i Hetita i Jakoba, tahak'ireny vehivavy mipetraka amin'io tany io ireny, dia inona no soa ho ahy amin'ny fiainako?"

28

1Ary Isaka niantso an'i Jakoba, nitso-drano azy, ary nandidy azy hoe: "Tsy mahazo maka vady amin'ireo vehivavy Kananita ianao. 2Mitsangàna, ka mandehana any Padana-Arama, ho any amin'ny taranak'i Betoela rain'ny reninao, dia makà vady any, iray amin'ireo zanaka vavin'i Labana, anadahin-dreninao.

3Andriamanitra Tsitoha anie hitahy anao, hampamokatra anao ary hahamaro anao, mba hahatonga anao ho firenena maro. 4Homeny anao anie ny tso-dranon'i Abrahama, ho anao, sy ho an'ireo taranaka mandimby anao, mba handovanao ny tany izay efa nonenanao, izay nomen'Andriamanitra an'i Abrahama."
5Ary Isaka nampandeha an'i Jakoba. Nankany Padana-Arama i Jakoba, ho any amin'i Labana zanak'i Betoela Syriana, anadahin'i Rebeka, renin'i Jakoba sy Esao.
6Ary hitan'i Esao fa notsofin'Isaka rano Jakoba ary nampodiany tany Padana-Arama, mba haka vady avy any. Nahita ihany koa izy fa nitso-drano sy nanome baiko azy i Isaka, nanao hoe: "Tsy mahazo maka vady amin'ireo vehivavy avy any Kanàna ianao." 7Hitan'i Esao ihany koa fa nankatò ny ray sy reniny Jakoba, ary nandeha tany Padan-Arama.
8Ary hitan'i Esao fa tsy nankasitraka ireo vehivavy avy any Kanàna i Isaka rainy. 9Koa ankoatra ireo vady izay efa nananany, dia lasa izy nankany amin'Ismaela, ary naka an'i Mahalota, zanaka vavin' Ismaela, zanak'i Abrahama, anabavin'i Nebaiota mba ho vadiny.
10Niala tao Beri-sheba i Jakoba ka nankany Harana. 11Ary tonga teo amin'ny toerana iray izy ka nijanona teo nandritry ny alina tontolo, satria efa nody ny masoandro. Naka iray tamin'ireo vato teo amin'izany toerana izany izy, nametraka izany tao ambany lohany, dia nitsilany teo amin'ilay toerana mba hatory.
12Nanofy izy ka nahita tohatra niorina tamin'ny tany. Nipaka tamin'ny lanitra ny tendrony ary niakatra sy nidina tamin'izany ireo anjelin' Andriamanitra. 13Indro, Yaveh nitsangana teo ambonin'izany ary niteny hoe: "Izaho no Yaveh, Andriamanitr'i Abrahama rainao, sy Andriamanitr'Isaka. Ny tany izay handrianao io, dia homeko anao sy ny taranakao.
14Ho toy ny vovoka amin'ny tany ny taranakao, ary hiely lavitra hatrany andrefana, ka hatrany atsinanana, hatrany avaratra, ary hatrany atsimo ianao. Amin'ny alalanao sy amin'ny alalan'ireo taranakao no hitahiana ireo fianakaviana eto an-tany rehetra. 15Indro, momba anao Aho, ary hiaro anao na aiza na aiza halehanao. Hitondra anao amin'ity tany ity indray Aho; fa tsy handao anao Aho. Ho ataoko avokoa izay rehetra nampanantenaiko anao."
16Nifoha tamin'ny torimasony Jakoba, ka hoy izy hoe: "Azo antoka tokoa fa eto amin'ity toerana ity Yaveh, fa izaho no tsy nahalala." 17Raiki-tahotra izy ka niteny hoe: "Tena mampatahotra ity toerana ity! Tsy inona akory fa tranon'Andriamanitra ity. Ity no vavahadin'ny lanitra."
18Nifoha maraina Jakoba dia naka ilay vato izay napetrany tao ambany lohany. Nataony ho tsangam-bato izany ary nandrarahany menaka teo an-tampon'izany. 19Ary dia nantsoiny hoe Betela ny anaran'izany toerana izany, fa Lozy no anaran'ilay tanàna tany am-piandohana.
20Ary nanao voady Jakoba, niteny hoe: "Raha homba sy hiharo ahy amin'ity lalana izay andehanako ity Andriamanitra, ka hanome ahy mofo hohanina, sy akanjo ho tafiana, 21mba hafahako miverina soa aman-tsara any an-tranon-draiko, dia Yaveh no ho Andriamanitro. 22Ary ho lasa vato masina ity vato izay naoriko ho tsangam-bato ity. Amin'izay rehetra omenao ahy, dia ho haveriko aminao tokoa ny ampahafolony."

29

1Dia nanohy ny diany indray Jakoba ka tonga teo amin'ny tanin'ny mponina tatsinanana. 2Raha nijery izy, dia nahita fantsakana teo amin'ny saha, ary, indro, nisy andian'ondry aman'osy telo nandry teo anilan'izany. Fa teo ivelan'izany fantsakana izany no nampisotron'ireo ny ondry aman'osiny, ary lehibe ny vato teo amin'ny vavan'ilay fantsakana. 3Koa rehefa tafangona eo ireo ondry aman'osy rehetra, dia hakodin'ny mpiandry ondry ny vato eo amin'ny vavan'ny fantsakana ka hampisotroiny ny ondry, ary avy eo saronana eo amin'ny vavan'ny fantsakana indray ny vato, ho eo amin'ny fitoerany.

4Hoy Jakoba tamin'izy ireo hoe: "Ry rahalahiko, avy aiza moa ianareo?" Izy ireo namaly hoe: "Avy any Harana izahay." 5Hoy izy tamin'izy ireo hoe: "Fantatrareo ve Labana zanak'i Nahora?" Hoy izy ireo hoe: "Fantatray izy." 6Hoy izy tamin'izy ireo hoe: "Salama ve izy?" Hoy izy ireo hoe: "Salama izy, ary, indro, Rahely zanany vavy tamy miaraka amin'ny ondry."
7Hoy Jakoba hoe: "Indro, fa misasaka ny andro. Mbola tsy fotoana fanangonana ny ondry aman'osy izao. Tokony hanome rano ny ondry ianareo ka andeha ary hamela ireo hiraoka eny." 8Hoy izy ireo hoe: "Tsy afaka manome rano ireo izahay raha tsy efa tafangona avokoa ireo ondry aman'osy rehetra. Avy eo ireo lehilahy hanakodia ilay vato eo amin'ny vavan'ny fantsakana, dia hampisotroinay rano ny ondry."
9Raha mbola niresaka tamin'izy ireo Jakoba, dia indro Rahely tamy niaraka tamin'ireo ondrin'ny rainy, satria niandry ireo izy. 10Rehefa hitan'i Jakoba i Rahely, zanaka vavin'i Labana, anadahin-dreniny, sy ny ondrin'i Labana, anadahin-dreniny, dia nanatona Jakoba, nanakodia ny vato teo amin'ny vavan'ny fantsakana, ka nampisotro rano ny ondry aman'osin'i Labana, anadahin-dreniny.
11Nanoroka an'i Rahely i Jakoba ary nitomany mafy. 12Nolazain'i Jakoba tamin-dRahely fa havan-drainy izy, ary izy no zanaka lahin'i Rebeka. Dia nihazazaka i Rahely ka nilaza tamin-drainy.
13Nony ren'i Labana ny vaovao momba an'i Jakoba zanaky ny anabaviny, dia nihazakazaka hitsena azy izy, ka namihina azy, nanoroka azy, ary nitondra azy tany an-tranony. Nambaran'i Jakoba tamin'i Labana izany zavatra rehetra izany. 14Dia hoy Labana taminy hoe: "Taolako sy nofoko tokoa ianao." Dia nijanona tokony ho iray volana teo aminy Jakoba.
15Hoy indray Labana tamin'i Jakoba hoe: "Tokony hanompo ahy maimaim-poana ve ianao satria havako? Lazao amiko, ohatrinona ny karamanao?" 16Ary nanana zanaka roa vavy Labana. Lea no anaran'ny zokiny, Rahely kosa no anaran'ny zandriny. 17Lea dia nalefa-pijery, fa Rahely kosa dia tsara bika no sady tsara tarehy. 18Jakoba dia tia an-dRahely, ka hoy izy hoe: "Hanompo anao fito taona aho hahazoako an-dRahely, zanakao faravavy."
19Hoy Labana hoe: "Tsara kokoa raha homeko anao izy, toy izay homeko lehilahy hafa. Mijànona miaraka amiko." 20Koa dia nanompo fito taona Jakoba mba hahazoany an-dRahely; ary tahaka ny andro vitsy ho azy ihany izany, noho ny fitiavany azy.
21Dia hoy Jakoba tamin'i Labana hoe: "Omeo ahy ny vadiko, fa efa feno ny fe-potoana—mba hanambadiako azy!" 22Dia novorian'i Labana ny olona rehetra tao an-toerana ary nanao lanonana.
23Nony hariva, dia nalain'i Labana i Lea zanany vavy ka nentiny teo amin'i Jakoba, izay niaraha-nandry taminy. 24Nanome an'i Zilpa mpanompo vaviny an'i Lea zanany vavy, mba ho mpanompony i Labana. 25Nony maraina, dia indro, fa Lea no teo! Hoy Jakoba tamin'i Labana hoe: "Inona izao nataonao tamiko izao? Tsy nanompo anao ve aho mba hahazoako an'i Rahely? Nahoana no dia namitaka ahy ianao?"
26Hoy Labana hoe: "Tsy fombanay ny manome ny zandriny vavy alohan'ny zokiny. 27Tanteraho volantantelin'ity zanaka vavy ity, dia homenay anao koa ny anankiray mba hanompoanao ahy fito taona indray."
28Dia nataon'i Jakoba izany, ka notanterahany ny herinandron'i Lea. Dia natolotr'i Labana azy koa Rahely zanany vavy mba ho vadiny. 29Dia natolotr'i Labana an'i Rahely zanany vavy koa i Bila, mba ho mpanompony. 30Dia nandry niaraka tamin-dRahely koa Jakoba, fa tiany mihoatra noho i Lea Rahely. Dia nanompo an'i Labana fito taona indray Jakoba.
31Hitan'i Yaveh fa tsy mba notiavina Lea, ka nampanan'anaka azy Izy, fa Rahely kosa dia momba. 32Dia nitoe-jaza i Lea ary niteraka zaza lahy izy, ka nataony hoe Robena ny anarany. Fa hoy izy hoe: "Satria efa nitsinjo ny fahoriako i Yaveh; dia ho tian'ny vadiko tokoa aho izao."
33Dia nitoe-jaza indray izy ka niteraka zaza lahy. Hoy izy hoe: "Satria efa ren'i Yaveh fa tsy mba tiana aho, dia izany no nanomezany ahy ihany koa ity zaza ity," ary ny anarany nataony hoe Simeona. 34Dia nitoe-jaza indray izy ka niteraka zaza lahy. Hoy izy hoe: "Ankehitriny kosa dia hifikitra amiko ny vadiko, satria efa niteraka zaza lahy telo ho azy aho." Izany no nanaovany ny anarany hoe Levy.
35Dia nitoe-jaza indray izy ka niteraka zaza lahy. Hoy izy hoe: "Ankehitriny dia hidera an'i Yaveh aho." Izany no nanaovany ny anarany hoe Joda; dia nitsaha-jaza izy.

30

1Rehefa hitan'i Rahely fa tsy nanome anaka an'i Jakoba izy, dia nialona ny rahavaviny Rahely. Niteny tamin'i Jakoba izy hoe: "Omeo zanaka aho, raha tsy izany dia ho faty aho." 2Nirehitra tamin'i Rahely ny hatezeran'i Jakoba. Hoy izy hoe: "Moa izaho no eo amin'ny toeran'Andriamanitra, izay nitazona anao tsy hanan-janaka?"

3Hoy izy hoe: "Indro, ity ny mpanompoko Bila. Mandria miaraka aminy, mba hahafahany miteraka zaza ho eo am-pofoako, ka hananako zanaka avy aminy." 4Dia nomeny azy ho vadiny i Bila mpanompo vaviny, ary Jakoba nandry niaraka taminy.
5Nitoe-jaza ary niteraka zanaka lahy ho an'i Jakoba Bila. 6Dia hoy Rahely hoe: "Nitsara tamin'ny fankasitrahako Andriamanitra. Nihaino ny vavaka nataoko Izy ary nanome zanaka lahy ahy." Noho izany antony izany no niantsoany ny anarany hoe Dana.
7Bila, mpanompon'i Rahely, dia nitoe-jaza indray ary niteraka zanaka lahy faharoa ho an'i Jakoba. 8Hoy Rahely hoe: "Tamin'ny tolona mahery no nitolomako tamin'ny rahavaviko ary nandreseko." Nantsoiny hoe Naftaly ny anarany.
9Rehefa hitan'i Lea fa nijanona tsy nanan-janaka izy, dia nalainy Zilpa, mpanompo vaviny, ary nomeny ho vadin'i Jakoba izy. 10Zilpa, mpanompon'i Lea, dia niteraka zanaka lahy ho an'i Jakoba. 11Hoy Lea hoe: "Vintana ity!" Dia nantsoiny hoe Gada ny anarany.
12Avy eo Zilpa, mpanompon'i Lea, niteraka zanaka lahy faharoa ho an'i Jakoba. 13Hoy Lea hoe: "Sambatra aho! Fa ireo zanaka vavy hiantso ahy hoe sambatra." Dia nantsoiny hoe Asera ny anarany.
14Nandeha tamin'ny andron'ny fijinjam-bary Robena ary nahita dodaima tao an-tsaha. Nentiny tany amin'i Lea reniny ireo. Dia hoy Rahely tamin'i Lea hoe: "Omeo sasany amin'ireo dodaiman'ny zanakao lahy aho." 15Hoy Lea taminy hoe: "Olana kely ve aminao, ny nangalanao ny vadiko? Te haka ny dodaiman'ny zanako lahy ihany koa ianao izao?" Hoy Rahely hoe: "Dia hiara-handry aminao izy rahalina, ho takalon'ireo dodaiman'ny zanakao lahy."
16Avy tany an-tsaha Jakoba ny hariva. Nivoaka Lea mba hihaona taminy ary niteny hoe: "Tsy maintsy miara-mandry amiko ianao rahalina, fa nofaiko tamin'ireo dodaiman'ny zanako lahy ianao. Dia niara-nandry tamin'i Jakoba Lea ny alina. 17Nihaino an'i Lea Andriamanitra, dia nitoe-jaza sy niteraka zanaka lahy fahadimy ho an'i Jakoba izy. 18Hoy Lea hoe: "Nomen'Andriamanitra ahy ny karamako, satria nanome ny mpanompo vaviko ho an'ny vadiko aho." Nantsoiny hoe Isakara ny anarany.
19Nitoe-jaza indray Lea ary niteraka zanaka lahy faha-enina ho an'i Jakoba. 20Hoy Lea hoe: "Nomen'Andriamanitra fanomezana tsara aho. Izao dia hanome voninahitra ahy ny vadiko, satria niteraka zanaka lahy enina ho azy aho." Nantsoiny hoe Zebolona ny anarany. 21Rehefa afaka izany dia niteraka zanaka vavy izy ary nantsoiny hoe Dina ny anarany.
22Nahatsiaro an'i Rahely Andriamanitra ary nihaino azy. Nampanan'anaka izy Izy. 23Nitoe-jaza ary niteraka zanaka lahy izy. Hoy izy hoe: "Nesorin'Andriamanitra ny henatro." 24Nantsoiny hoe Josefa ny anarany, ary nanao hoe: "Nanampy zanaka lahy iray hafa ho ahy Yaveh."
25Tao aorian'ny niterahan'i Rahely an'i Josefa, dia niteny tamin'i Labana Jakoba hoe: "Alefao aho, mba hahafahako mandeha mankany amin'ny tranoko sy any amin'ny tanànako. 26Omeo ahy ireo vadiko sy ireo zanako izay ho azy ireo no nanompoako anao, ary avelao aho andeha, fa ianao mahafantatra ny fanompoana nataoko anao."
27Hoy Labana taminy hoe: "Raha mahita fankasitrahana eo imasonao aho ankehitriny, dia andraso, satria fantako tamin'ny fampiasana sikidy fa nitahy ahy noho ianao i Yaveh. 28Dia hoy izy hoe: "Teneno hoe ohatrinona ny karamanao, dia ho aloako ireo."
29Jakoba niteny taminy hoe: "Fantatrao ny fomba nanompoako anao, sy ny fomba nitomboan'ny biby fiompinao niaraka tamiko. 30Fa kely no nanananao talohan'ny nahatongavako, ary nitombo be lavitra izany. Nitahy anao Yaveh na taiza na taiza niasako. Ary rahoviana aho no mba hihary ho an'ny tokantranoko koa?"
31Dia hoy Labana hoe: "Inona no ho aloako aminao?" Hoy Jakoba hoe: "Tsy hanome ahy na inona na inona ianao. Raha hanao izao zavatra izao ho ahy ianao, dia ho hamahana indray ny biby fiompinao ary hiambina izany aho. 32Avelao aho hamakivaky ny biby fiompinao rehetra androany, hanala ny ondry pentipetina sy sada rehetra amin'izany, ary izay mainty rehetra eo amin'ny ondry, ary ny sada sy ny pentipentina eo amin'ireo osy. Izany no ho karamako.
33Ny tsy fivadihako no ho vavolombelona ho ahy any aoriana, rehefa tonga hijery ireo karamako ianao. Ny rehetra izay tsy pentipentina sy sada eo amin'ireo osy, ary tsy mainty eo amin'ny ondry, raha misy hita aty amiko, dia ho atao toy ny nangalarina." 34Hoy Labana hoe: "Ekena. Aoka ho araka ny teninao izany."
35Tamin'io andro io Labana dia nanala ireo osy lahy izay sadika sy sada, sy ireo osy vavy rehetra izay pentipentina sy sada, ny rehetra izay nisy fotsy taminy, ary ireo mainty rehetra teo amin'ireo ondry, ka nanome ireo ho eo an-tanan'ireo zanany lahy. 36Nanisy lalan-kateloana teo anelanelany sy Jakoba ihany koa Labana. Noho izany dia nijanona niandry ny ambin'ireo biby fiompin'i Labana i Jakoba.
37Naka tapaka rantsan-kazo popola maitso Jakoba, sy tamin'ny hazo amygdala sy hazo planata, ary namaofy ny fotsy tamin'ireo, ary nanao izay ampiseho ny aty fotsin'ny hazo izay tao amin'ireo tapa-kazo. 38Dia nametraka ireo tapa-kazo izay novoasany teo anoloan'ireo biby fiompy, teo anoloan'ireo tavy fisotroana rano izay nandehanan'ireo hisotro izy. Nanan'anaka ireo rehefa tonga nisotro.
39Niteraka teo anoloan'ireo tapa-kazo ireo biby fiompy; ary ireo biby fiompy niteraka sadika, sada, ary pentipentina. 40Nosarahan'i Jakoba ireo zanak'ondry ireo, fa nanao ny ambin'ireo nifanatrika tamin'ireo biby sadika sy ny ondry mainty rehetra tao amin'ny biby fiompin'i Labana. Dia nosarahany ho azy irery ny biby fiompiny ka tsy nakambany niaraka tamin'ireo biby fiompin'i Labana.
41Na oviana na oviana niterahan'ny ondry matanjaka tao amin'ny biby fiompy, dia nampandrian'i Jakoba teo amin'ny tavy fisotroana teo anoloan'ny mason'ireo biby fiompy ireo tapa-kazo, mba hafahan'izy ireo miteraka eo amin'ireo tapa-kazo. 42Fa rehefa tonga ireo biby osa tamin'ireo biby fiompy, dia tsy nametraka ireo tapa-kazo teo anoloan'ireo izy. Koa an'i Labana ireo biby osa, ary an'i Jakoba ny mahery.
43Lasa nanan-karena be ralehilahy. Nanana biby fiompy be izy, mpanompo vavy sy mpanompo lahy, ary rameva sy ampondra.

31

1Ary Jakoba nandre ireo tenin'ny zanaka lahin'i Labana, izay nanao hoe: "Nalain'i Jakoba avokoa izay rehetra an'ny raintsika, ary avy tamin'ny fananan'ny raintsika no nahazoany ny hareny rehetra." 2Hitan'i Jakoba teny amin'ny endriky ny tarehin'i Labana. Hitany fa niova ny fihetsiny taminy. 3Avy eo Yaveh niteny tamin'i Jakoba hoe: "Miverena any amin'ny tanin'ireo razanao sy ireo havanao, ary homba anao Aho."

4Ary Jakoba naniraka sy niantso an'i Rahely sy Lea ho any an-tsaha any amin'ireo ondry aman'osiny 5ary niteny tamin'izy ireo hoe: "Hitako niova ny fihetsiky ny rainareo tamiko, saingy niaraka tamiko ny Andriamanitry ny raiko. 6Fantatrareo fa tamin'ny heriko manontolo no nanompoako ny rainareo.
7Efa namitaka ahy ny rainareo ary nanova ny karamako impolo, saingy tsy navelan'Andriamanitra handratra ahy izy. 8Raha niteny izy hoe: "Ireo biby sada rehetra no ho karamanao," dia niteraka mara ny ondry aman'osy rehetra. Raha nilaza izy hoe: "Ny sadika rehetra no ho karamanao," dia niteraka sadika avokoa ny ondry aman'osy rehetra. 9Tamin'izany fomba izany no nangalan'Andriamanitra ny biby fiompin'ny rainareo ary nanomezany izany ho ahy.
10Ary tamin'ny andron'ny fahatairana ka iraisana, dia hitako tao amin'ny nofy ireo osy lahy izay miray amin'ireo ondry aman'osy. Ireo osy lahy dia sadika, mara, ary sada. 11Ny anjelin'Andriamanitra niteny tamiko tao anaty nofy hoe: 'Ry Jakoba.' Dia hoy aho hoe: 'Inty aho.'
12Hoy izy hoe: "Atopazo ny masonao ary jereo ireo osy lahy rehetra izay miray amin'ireo ondry aman'osy. Sadika, sy mara ary sada ireo, satria hitako ny zavatra rehetra ataon'i Labana aminao. 13Izaho no Andriamanitr'i Betela, izay nanosoranao tsangam-bato, sy nanaovanao voady tamiko. Ankehitriny mitsangàna ka mialà amin'ity tany ity ary miverena any amin'ny tany nahaterahanao."
14Namaly azy i Rahely sy Lea ka nanao taminy hoe: "Mbola misy anjara sy lova ho anay ve ao amin'ny tranon'ny rainay? 15Tsy nataony toy ny fitondrana vahiny ve izahay? fa namidiny izahay, ary koa noviravirainy tanteraka ny volanay izy. 16Fa ny harena rehetra izay nalain'Andriamanitra tamin'ny rainay ankehitriny dia anay sy ny zanakay. Koa ankehitriny, na inona na inona nolazain'Andriamanitra taminao, dia ataovy izany."
17Avy eo dia nitsangana Jakoba ary nametraka ireo zanany lahy sy ny vadiny teo ambony rameva. 18Nentiny avokoa ny biby fiompiny rehetra, niaraka tamin'ireo fananany rehetra, anisan'izany ny biby fiompy izay azony tany Padana-arama. Avy eo dia niainga mba hankany amin'Isaka rainy any amin'ny tany Kanana izy.
19Raha nandeha mba hanety ny ondriny i Labana, dia nangalarin'i Rahely ny sampin-drainy. 20I Jakoba ihany koa dia namitaka an'i Labana ilay Syriana, tamin'ny tsy fitenenana azy fa handeha izy. 21Ka dia nitsoaka niaraka tamin'izay rehetra nananany izy ary niampita faingana ny ony, ary nizotra nankany amin'ny tany havoana an'i Gileada.
22Tamin'ny andro faha-telo dia nolazaina tamin'i Labana fa nitsoaka i Jakoba. 23Noho izany dia nalainy ireo havany ary nanaraka azy nandritra ny lalana hafitoana. Tratrany teo amin'ny tanànan'i Gileada izy.
24Ary Andriamanitra tonga tamin'ny Labana ilay Syriana tamin'ny nofy nony alina ka nanao taminy hoe: "Tandremo mba tsy hanao teny tsara na ratsy an'i Jakoba ianao." 25Tratran'i Labana i Jakoba. Ary Jakoba nanorina ny lainy teo amin'ilay tany havoana. Dia nanorina lay teo amin'ilay tany havoana an'i Gileada ihany koa i Labana niaraka tamin'ireo havany. 1
26Hoy Labana tamin'i Jakoba hoe: "Inona no nataonao, no dia namitaka ahy ianao ka nitondra ireo zanako vavy toy ny babo an'ady? 27Nahoana ianao no nitsoaka mangina sy namitaka ahy fa tsy niteny tamiko? Afaka nandefa anao tamin'ny fankalazana sy hira aho, niaraka tamin'ny aponga tapaka sy lokanga. 28Tsy navelanao hanoroka hanao veloma ireo zafiko sy ireo zanako vavy aho. Ary adalana izao nataonao izao.
29Manana hery handratrana anareo aho, saingy ny Andriamanitry ny rainareo niteny tamiko tamin'ny alina hoe: 'Tandremo mba tsy hasianao teny akory Jakoba na tsara na ratsy.' 30Ankehitriny lasa ianao satria manina ny hiverina any an-tranon'ny rainareo. Saingy nahoana no nangalarinao ireo andriamanitro?"
31Namaly Jakoba ka nanao tamin'i Labana hoe: "Satria natahotra aho ary nieritreritra fa ho halainao amiko amin-kery ireo zanakao vavy no nahatonga ahy handositra mangingina. 32Na iza na iza nangalatra ny andriamanitrao dia ho faty izy. Eo anatrehan'ireo havantsika, dia fantaro izay rehetra ety amiko ka anareo dia alaivo izany." Satria tsy fantatr'i Jakoba fa Rahely no nangalatra izany.
33Ary Labana nandeha nankany amin'ny lain'i Jakoba, tany amin'ny lain'i Lea, ary tany amin'ny lain'ireo mpanompo vavy roa, saingy tsy nahita azy ireo izy. Nivoaka tao amin'ny lain'i Lea izy ary niditra tao amin'ny lain'i Rahely.
34Ary efa nalain'i Rahely ireo sampy ka nataony tao anatin'ny laselin'ny rameva, ka nipetraka teo ambonin'izany izy. Nikaroka nanerana ny lay i Labana saingy tsy nahita ireo. 35Hoy Rahely tamin'ny rainy hoe: "Aza tezitra, tompoko, fa tsy afaka mijoro eo anoloanao aho, satria tonga fadim-bolana aho." Ka dia nitady izy fa tsy nahita ireo sampiny.
36Tezitra Jakoba ka nifamaly tamin'i Labana. Hoy izy taminy hoe: "Inona no fandikan-dalàna nataoko? Inona no fahotako, no nanenjika ahy tamin-kafanam-po ianao? 37Fa nosavainao avokoa ny fananako rehetra. Ary inona tamin'ireo rehetra zavatsoan'ny ankohonanao no hitanao? Apetraho eto anoloan'ireo havantsika izany, mba hahafahan'izy ireo mitsara eo amintsika roa tonta.
38Fa niaraka taminao foana aho nandritry ny roapolo taona. Ireo ondry vavinao sy osy vavinao tsy mba namotsotra, ary tsy mba nihinana ny ondry lahy avy tamin'ireo ondrinao aho. 39Tsy mba nentiko teo aminao izay voaviraviran'ireo bibidia. Fa kosa, izaho no nizaka ny fahaverezan'izany. Ataonao mandoa ny biby very rehetra foana aho, na ny nangalarina atoandro na ny nangalarina alina. 40Tany aho; ny atoandro dia namely ahy ny hafanana, ary ny alina dia namely ahy ny fanala; ary tsy mba natory.
41Nitoetra tao an-tranonao aho nandritr'izay roapolo taona izay. Niasa ho anao nandritry ny efatra ambin'ny folo taona aho mba hahazoako ireo zanakao roa vavy ary enin-taona ho an'ireo ondry aman'osinao. Novainao impolo ny karamako. 42Raha tsy niaraka tamiko ny Andriamanitry ny raiko, ilay Andriamanitr'i Abrahama, ary ilay hatahoran'Isaka, dia ho nalefanao nandeha tanam-polo tokoa aho. Hitan'Andriamanitra ny fahoriako sy ny fiasako mafy, ka niteny mafy anao Izy tamin'ny alina."
43Namaly Labana ka niteny tamin'i Jakoba hoe: "Ireo zazavavy ireo dia zanako vavy, zafikeliko ireo zafikely, ary ondry aman'osiko ireo ondry aman'osy. Izay hitanao rehetra dia ahy avokoa. Ankehitriny kosa inona no afaka ataoko ho an'ireo zanako vavy, na ho an'ireo zaza naterany? 44Koa ankehitriny, andeha isika hanao fanekena, dia izaho sy ianao, ary aoka izany ho vavolombelona amiko sy aminao."
45Noho izany dia naka vato Jakoba ary nanangana izany ho tsangam-bato. 46Hoy Jakoba tamin'ireo havany hoe: "Manangona vato." Ka dia naka ny vato izy ireo ary nanao antontany. Avy eo izy ireo nihinana teo amin'ilay antontam-bato izy ireo. 47Nantsoin'i Labana hoe Jegara-sahadota izany, fa Jakoba niantso izany hoe Galeda.
48Hoy Labana hoe: "Ity antontam-bato ity no vavolombelona amintsika anio." Noho izany ny anarany dia nantsoina hoe Galeda. 49Antsoina ihany koa hoe Mizpa izany, satria hoy Labana hoe: "Yaveh anie hitsinjo ahy sy ianao, rehefa tsy mifankahita isika. 50Raha ampijalianao ireo zanako vavy, na manambady hafa ankoatr'ireo zanako vavy ianao, na dia tsy misy olona hafa aza eto amintsika, dia indro Andriamanitra no vavolombelona eo amiko sy aminao."
51Hoy Labana tamin'i Jakoba hoe: "Jereo ity antontam-bato ity, ary jereo ny tsangam-bato, izay naoriko eto anelanelantsika. 52Vavolombelona ity antontam-bato ity, ary vavolombelona ilay tsangam-bato, mba tsy hihoarako ity antontam-bato ity mankany aminao, sy tsy hihoaranao ity antontam-bato sy tsangam-bato ity mankaty amiko, hanao ratsy. 53Ilay Andriamanitr'i Abrahama, sy ilay andriamanitr'i Nahora, ary ireo andriamanitry ny rain'izy ireo anie hitsara antsika." Nianiana tamin'Ilay Tahotry Isaka rainy i Jakoba.
54Nanolotra sorona tany an-tendrombohitra i Jakoba ary niantso ireo havany mba hihinana. Nihinana izy ireo ary nijanona teny an-tendrombohitra ny alina tontolo. 55Vao mangiran-dratsy dia nifoha i Labana, nanoroka ireo zafikeliny sy ireo zanany vavy ary nitso-drano azy ireo. Avy eo dia niala teo ary niverina nankany an-tranony Labana.


1Fanamarihana: Ny dikan-teny sasany taty aoriana misy hoe: "Labana ihany koa dia nanorina lay teo amin'ny vohitr'i Gileada."

32

1Nandeha tamin'ny lalany ihany koa Jakoba, ary nihaona taminy ny anjelin'Andriamanitra. 2Rehefa nahita azy ireo Jakoba, dia hoy izy hoe: "Ity no tobin' Andriamanitra," ka Mahanaima no niantsoany izany toerana izany.

3Nandefa mpitondra hafatra nialoha azy Jakoba mba ho any amin'i Esao rahalahiny any amin'ny tanin'ny Seira, any amin'ny faritr'i Edoma. 4Nibaiko azy ireo izy, niteny hoe: "Izao no ho lazainareo amin'i Esao tompoko: Izao no vaolazan'i Jakoba mpanomponao hoe: 'Efa nonina niaraka tamin'i Labana aho, ary nanemotra ny fodiako hatramin'izao. 5Manana omby, boriky, ondry aman'osy, ary mpanompo lahy sy mpanompo vavy aho. Nandefa ity hafatra ity tany amin'ny tompoko aho, mba hahazoako sitraka eo imasonao.'"
6Niverina tany amin'i Jakoba ireo mpitondra hafatra ary niteny hoe: "Nandeha tany amin'i Esao rahalahinao izahay. Ho avy hihaona aminao izy, ary efajato lahy no hiaraka aminy." 7Ary natahotra mafy sy nihorohoro Jakoba. Ka nozarainy ireo vahoaka niaraka taminy mba ho antoko anankiroa, ary koa ireo ondry aman'osy, omby, rameva. 8Hoy izy hoe: "Raha tonga amin'ny antoko iray Esao ka manafika izany, dia ho afa-mandositra ny antoko iray ambiny."
9Hoy Jakoba hoe: "Ry Andriamanitr'i Abrahama raiko, sy Andriamanitr'Isaka raiko, ry Yaveh, izay niteny tamiko hoe: 'Modia any amin'ny taninao sy ny havanao, ary Izaho hanambina anao,' 10tsy mendrika ireo asan'ny fanekena mahatoky sy ny fahamendreham-pitokisana rehetra izay nataonao ho an'ny mpanomponao aho. Fa ny tehiko no hany nentiko nita ity Jordana ity, ary ankehitriny efa lasa antoko anankiroa aho.
11Mba vonjeo amin'ny tanan'ny rahalahiko, ny tanan'i Esao aho, fa matahotra azy aho, ndrao ho avy izy hanafika ahy sy ny reny mbamin'ny zaza. 12Kanefa Ianao niteny hoe: 'Ho ambiniko tokoa ianao. Hataoko ho toy ny fasi-dranomasina ny taranakao, izay tsy ho tambo isaina.'"
13Nitoetra teo Jakoba tamin'iny alina iny. Naka ny sasany tamin'izay nananany niaraka taminy izy mba ho fanomezana ho an'i Esao rahalahiny: 14osy vavy roanjato ary osy lahy roapolo, ondry vavy roanjato sy ondry lahy roapolo, 15rameva be ronono telopolo ary ireo zana-borikin'izy ireo, omby vavy efapolo sy omby lahy folo, ampondra vavy roapolo ary ampondra lahy folo. 16Natolony ireo mba ho eo an-tanan'ny mpanompony, ny andiany tsirairay avy. Niteny tamin'ny mpanompony izy hoe: "Mandehana eo alohako ary asio elanelana isaky ny andiam-biby."
17Nanome toromarika ny mpanompo voalohany izy, niteny hoe: "Rehefa mifanena aminareo Esao rahalahiko ka manontany anareo, manaohoe: 'Olon'iza ianareo? Ho aiza ianareo? An'iza ireo biby izay eo anoloanareo?' 18Dia hiteny ianareo hoe: 'An'i Jakoba mpanomponao ireo. Ireo dia fanomezana nalefa ho an'i Esao tompoko. Indro, tamy ao aorianay ihany koa izy.'"
19Nanome toromarika ny vondrona faharoa, ny fahatelo, ary ny lehilahy rehetra izay nanaraka ireo andiam-biby ihany koa i Jakoba. Hoy izy hoe: "Hilaza zavatra mitovy amin'i Esao ianareo rehefa mifanena aminy. 20Tsy maintsy miteny ihany koa ianareo hoe: 'Jakoba mpanomponao dia avy ao afaranay.'" Fa nihevitra izy hoe: "Hampitony azy amin'ny fanomezana izay alefako eo alohako aho. Ary avy eo, rehefa hitako izy, dia angamba mety handray ahy izy." 21Koa nalefa nialoha azy ireo fanomezana. Izy tenany nijanona tao an-toby iny alina iny.
22Nifoha Jakoba nandritry ny alina, ary naka ny vadiny anankiroa, ny ankizivaviny anankiroa, ary ny zanany lahy iraika ambin'ny folo. Nalefany tany ampitan'ny fitàn'i Jaboka izy ireo. 23Tamin'io no nampitany azy ireo tany ampitan'ny rano mandeha niaraka tamin'ireo fananany rehetra.
24Tavela irery Jakoba, ary nisy lehilahy iray nitolona taminy mandra-parain'ny andro. 25Rehefa hitan'ilay lehilahy fa tsy haharesy azy izy, dia novelesiny ny foto-pen'i Jakoba. Nipitsoka ny fotopen'i Jakoba raha nitolona taminy izy. 26Niteny ilay lehilahy hoe: "Aleo aho handeha, fa efa ho mangiran-dratsy." Ary Jakoba niteny hoe: "Tsy hamela anao handeha aho raha tsy mitso-drano ahy ianao."
27Dia hoy ilay lehilahy taminy hoe: "Iza no anaranao? "Jakoba namaly hoe: "Jakoba." 28Hoy ilay lehilahy hoe: "Ny anaranao dia tsy ho Jakoba intsony, fa Israely. Satria ianao nitolona tamin'Andriamanitra sy tamin'ny vahoaka ary efa nandresy."
29Nanontany azy Jakoba hoe: "Mba lazao ahy tompoko ny anaranao." Hoy izy hoe: "Nahoana ianao no manontany ny anarako?" Avy eo nitso-drano azy teo izy. 30Jakoba niantso ny anaran'ilay toerana hoe Peniela satria hoy izy hoe: "Efa nifanatri-tava tamin'Andriamanitra aho, ary avotra ny aiko."
31Niposaka ny masoandro raha nandalo an'i Peniela i Jakoba. Nandringa izy nohon'ny foto-peny. 32Izany no antony tsy nihinanan'ny vahoakan'i Israely ny hozatry ny foto-pe izay eo amin'ny fitohizan'ny fe mandrak'ankehitriny, satria nandratra ireo hozatra ireo ilay lehilahy raha nanapitsoka ny foto-pen'i Jakob.

33

1Nitazana ambony Jakoba ary, indro Esao nanatona, ary nisy lehilahy efajato niaraka taminy. Notsinjarain'i Jakoba tamin'i Lea, Rahely, ary ireo mpanompo vavy ireo ankizy. 2Avy eo dia napetrany teny aloha ireo mpanompo vavy sy ny zanak'izy ireo, narahin'i Lea sy ireo zanany, ary narahin'i Rahely sy Josefa ny farany indrindra. 3Izy mihitsy no nandeha nialoha azy ireo. Niankohoka impito teo amin'ny tany izy, mandra-pahatongany teo akaikin'ny rahalahiny.

4Nihazakazaka mba hitsena azy Esao, namihina azy, nisakambina ny tendany ary nanoroka azy. Avy eo dia nitomany izy ireo. 5Rehefa nitazana ambony Esao, dia nahita ireo zaza amam-behivavy izy. Hoy izy hoe: "Iza ireo olona miaraka aminao ireo?" Hoy Jakoba hoe: "Ireo no ankizy izay nomen'Andriamanitra tamim-pahasoavana ho an'ny mpanomponao."
6Avy eo nandroso teny aloha ilay mpanompo vavy niaraka tamin'ireo zanany, ary niankohoka izy ireo. 7Avy eo dia nanatona teny aloha ihany koa Lea sy ireo zanany ary niankohoka. Ary farany Josefa sy Rahely nanatona teny aloha ary niankohoka. 8Hoy Esao hoe: "Inona no dikan'ny nandefasanao ireny vondrona rehetra nifanena tamiko ireny?" Hoy Jakoba hoe: "Mba hahazoana sitraka eo imason'ny tompoko."
9Hoy Esao hoe: "Efa manana ny ampy aho, ry rahalahiko. Hazony ho an'ny tenanao izay anananao." 10Hoy Jakoba hoe: "Tsia, miangavy re, raha efa nahita fitia eo imasonao aho, dia ekeo ny fanomezana avy amiko, izay eo an-tanako, eny tokoa, efa nahita ny endrikao aho, ary toy ny mahita ny endrik'Andriamanitra izany, ary dia noraisinao aho. 11Mba raiso re ny fanomezana izay nentina ho anao, satria efa nanome fahasoavana ahy Andriamanitra, ary satria efa manana ny ampy aho." Dia toy izany no nandrisihan'i Jakoba azy, ary dia neken'i Esao izany.
12Ary hoy Esao hoe: "Andeha isika hanainga. Handeha eo alohanareo aho." 13Hoy Jakoba taminy hoe: "Ny tompoko dia mahafantatra fa mbola kely ireto ankizy, ary mbola mitaiza ny zanany ireo ondry sy omby. Raha entina mafy na dia iray andro monja aza izy ireo, dia ho faty avokoa ireo biby rehetra. 14Mba avelao re ny tompoko handeha hialoha ny mpanompony. Handeha moramora kokoa aho, araka ny famindran'ireo biby fiompy izay eo alohako, ary araka ny dian'ireto zaza, mandra-pahatongako any amin'ny tompoko any Seira."
15Hoy Esao hoe: "Avelao hajanoko aminao ny sasany amin'ireo lehilahy miaraka amiko." Fa hoy Jakoba hoe: "Nahoana no manao izany? Efa ampy ny hatsaram-panahin'ny tompoko tamiko." 16Koa dia nanomboka ny diany hiverina ho any Seira i Esao tamin'io andro io. 17Nandeha tany Sokota i Jakoba, nanangana trano ho azy, ary nanao fialofana ho an'ireo biby fiompiny. Noho izany dia nantsoina hoe Sokota io toerana io.
18Rehefa avy tany Padana-Arama i Jakoba, dia tonga soa aman-tsara tao amin'ny tanànan'i Sekema, izay tao amin'ny tany Kanana. Nitoby teo akaikin'ny tanàna izy. 19Avy eo izy nividy ny ampahan-tany izay nanorenany ny lainy tamin'ny zanak'i Hamora, rain'i Sekema, tamin'ny volafotsy madinika zato. 20Teo no nanorenany alitara ary nantsoiny hoe El-Elohe Israely izany.

34

1Ary Dina, zanaka vavin'i Lea tamin'i Jakoba, nandeha mba hihaona amin'ireo zazavavin'ilay faritra. 2Sekema zanaka lahin'i Hamora Hivita, ilay andriandahin'ny tany, nahita azy dia naka an-keriny azy, sy nanery azy ary niara-nandry taminy. 3Nahasarika azy tokoa i Dina, ilay zanaka vavin'i Jakoba. Tia an'ilay zazavavy izy ary niresaka tam-pitiavana taminy.

4Niresaka tamin'i Hamora rainy i Sekema, nanao hoe: "Alaivo mba ho vadiko io tovovavy io." 5Ary Jakoba nandre fa efa nandoto an'i Dina ilay zanany vavy izy. Tany an-tsaha niaraka tamin'ireo biby fiompy ireo zanany lahy, noho izany dia nitazona ny fahanginany mandra-pahatongan'izy ireo i Jakoba.
6Nankany amin'i Jakoba mba hiresaka aminy i Hamora rain'i Sekema. 7Tonga avy any an-tsaha ireo zanaka lahin'i Jakoba raha nandre ny olana. Tohina tokoa ireo lehilahy ireo. Tezitra mafy izy ireo satria nanala baraka an'Israely izy tamin'ny fanaovany an-keriny ny zanaka vavin'i Jakoba, fa izany karazan-javatra izany dia tsy tokony natao.
8Niresaka tamin'izy ireo i Hamora, nanao hoe: "Sekema zanako lahy dia tia ny zanakao vavy. Ka mba omeo ho vadiny re izy. 9Mifanambadia aminay, omeo anay ny zanakao vavy, ary alaivo ho anareo ny zanakay vavy. 10Hiara-honina aminay ianareo, ary ny tany hisokatra ho anareo mba hitoerana sy hanaovana varotra, ary ho lasa fananana."
11Hoy Sekema tamin'ny rainy sy ireo rahalahiny hoe: "Aoka hahita sitraka eo imasonareo aho, ary na inona na inona lazainareo ahy dia homeko. 12Angataho amiko na dia lafo aza ny sandan'ny vady sy ny fanomezana araka izay sitrakareo, ary homeko anareo na inona na inona teneninareo amiko, fa omeo ho vadiko ilay tovovavy. 13Namaly am-pitaka an'i Sekema sy Hamora rainy ireo zanaka lahin'i Jakoba, satria nandoto an'i Dina anabavin'izy ireo i Sekema.
14Hoy ireo tamin'izy ireo hoe: "Tsy afaka manao izany zavatra izany izahay, hanome ny anabavinay ho an'ny olona izay tsy voafora; fa ho fahafaham-baraka ho anay izany. 15Amin'izao fepetra izao ihany no hanekenay anareo: raha mifora toa anay ianao, ary raha mifora avokoa ny lehilahy rehetra eo aminao. 16Dia homenay anareo ireo zanakay vavy, ary ho alainay ho anay ireo zanakareo vavy, dia hiara-honina isika ka ho tonga vahoaka iray. 17Fa raha tsy mihaino anay ianareo ka tsy mifora, dia ho entinay ny anabavinay ary handeha izahay."
18Nahafaly an'i Hamora sy i Sekema zanany ny tenin'izy ireo. 19Fa ilay tovolahy dia tsy nitaredretra nanao izay nolazain'izy ireo, satria finaritra tamin'ny zanaka vavin'i Jakoba izy, ary satria izy no olona homem-boninahitra indrindra ao amin'ny ankohonan'ny rainy rehetra.
20Nankany amin'ny vavahadin'ny tanànan'izy ireo i Hamora sy Sekema ary niresaka tamin'ireo olon'ny tanàna, nanao hoe: 21"Mihavana amintsika ireo olona ireo, koa avelao izy ireo honina amin'ny tany sy hanao varotra eo amin'izany, satria tokoa, tena, midadasika ampy ho azy ireo ny tany. Haka ny zanaka vavin'izy ireo ho vady isika, ary hanome azy ireo ny zanantsika vavy.
22Amin'ity fepetra tokana ity ihany no haneken'ireo olona hiara-honina amintsika sy ho tonga vahoaka iray: raha mifora avokoa ny lehilahy rehetra eo amintsika, toy ny maha-voafora azy ireo. 23Tsy ho lasantsika avokoa ve ny biby fiompy sy ny fananan'izy ireo—ary ny biby rehetra? Koa aoka hanaiky azy ireo isika, dia honina eo amintsika izy ireo."
24Nihaino an'i Hamora sy Sekema, ilay zanany lahy avokoa ny olona rehetra tao an-tanàna. Noforaina avokoa ny lehilahy rehetra. 25Tamin'ny andro fahatelo, raha mbola tao anatin'ny fanaitainana izy ireo, ny roa tamin'ny zanaka lahin'i Jakoba (Simeona sy Levy, anadahin'i Dina), dia samy nandray ny sabatrany ary nanafika ny tanàna izay azo antoka ny fiarovana azy, izy ireo, ka namono ny lehilahy rehetra. 26Novonoin'izy ireo tamin'ny lelan-tsabatr'izy ireo i Hamora sy Sekema zanany. Nalain'izy ireo tao an-tranon'i Sekema i Dina ary lasa izy ireo.
27Nankeo amin'ireo faty ireo zanaka lahy hafan'i Jakoba ary nandroba ny tanàna, satria efa nandoto ny anabavin'izy ireo ny olona. 28Nalain'izy ireo ny ondry aman'osin'izy ireo, ny ombin'izy ireo, ny borikin'izy ireo, ary ny zavatra rehetra tao amin'ny tanàna sy izay nanodidina ny saha 29niaraka tamin'ny haren'izy ireo rehetra. Ny zanaka sy ny vadin'izy ireo rehetra, dia nosamborin'izy ireo. Nalain'izy ireo hatramin'ny zavatra rehetra izay tao an-trano.
30Hoy Jakoba tamin'i Simeona sy Levy hoe: "Nitondra olana ho ahy ianareo, nahamaimbo ahy teo amin'ireo mponin'ny tany, ireo Kananita sy ireo Perizita. Vitsy an'isa aho. Raha miara-mihoko hanohitra ahy sy hamely ahy izy ireo, dia ho resy aho, izaho sy ny ankohonako." 31Fa Simeona sy Levy nanao hoe: "Tokony hitondra ny anabavinay tahaka ny vehivavy janga ve i sekema?"

35

1Hoy Andriamanitra tamin'i Jakoba hoe: "Mitsangàna, mandehana miakatra any Betela ary mipetraha any. Manamboara alitara any ho an' Andriamanitra, izay niseho taminao fony ianao nandositra an'i Esao rahalahinao." 2Ary Jakoba niteny tamin'ny ankohonany sy ireo rehetra niaraka taminy hoe: "Avelao ireo andriamanitra hafa izay eo aminareo, diovy ny tenanareo, ary soloy ny fitafianareo. 3Andao isika hanainga ho any Betela. Hanamboatra alitara any aho ho an'Andriamanitra, izay namonjy ahy tamin'ny andro fahoriko, sy niaraka tamiko foana na taiza na taiza nalehako."

4Dia nomen'izy ireo an'i Jakoba ireo andriamanitra hafa rehetra izay teny an-tanany, sy ireo kavina teny an-tsofin'izy ireo. Nalevin'i Jakoba tao ambanin'ny hazo teribina izay akaikin'i Sikema ireo. 5Raha nandeha izy ireo, dia nandatsahan'Andriamanitra horohoro teo amin'ireo tanàna manodidina azy ireo, koa dia tsy nanenjika ireo zanaka lahin'i Jakoba ireo olona ireo.
6Tonga tao Lozy i Jakoba (izay ao Betela ihany), izay ao amin'ny tany Kanana, izy sy ireo olona rehetra izay niaraka taminy. 7Nanangana alitara tao izy ary nantsoiny hoe El-betela izany toerana izany, satria tao Andriamanitra no nanambara ny Tenany taminy, raha nandositra ny rahalahiny izy. 8Ary maty i Debora, mpitaiza an'i Rebeka. Nalevina tao ambanimbanin'ny Betela tao amban'ilay hazo terebinta izy, koa dia nantsoina izany hoe Alona-bakota.
9Rehefa niverina avy any Padan-Arama i Jakoba, dia niseho taminy indray Andriamanitra ary nitso-drano azy. 10Hoy Andriamanitra taminy hoe: "Jakoba no anaranao, kanefa tsy antsoina hoe Jakoba intsony ianao. Fa atao hoe Israely." Dia natsoin'Andriamanitra hoe Israely ny anarany.
11Hoy Andriamanitra taminy hoe: "Izaho no Andriamanitra Tsitoha. Miteraha maro ary mihamaroa. Hisy firenena sy ny fikambanam-pirenena hipoitra avy aminao, ary mpanjaka no ho eo amin'ireo taranakao. 12Ilay tany izay nomeko an'i Abrahama sy Isaka, dia homeko anao. Ho an'ireo taranakao izay mandimby anao dia homeko an'ilay tany ihany koa. 13Dia niakatra ka niala teo aminy, teo amin'ilay toerana izay niresahany taminy Andriamanitra.
14Nanorina tsangam-bato teo amin'ilay toerana niresahan'Andriamanitra taminy i Jakoba, tsangam-bato vita tamin'ny vato. Nandraraka fanatitra sotroina sy nandraraka diloilo teo amin'izany izy. 15Nantsoin'i Jakoba hoe Betela ilay toerana izay niresahan'Andriananitra taminy.
16Niala tao Betela izy ireo. Raha mbola lavidavitra an'i Efratà izy ireo, dia nihetsi-jaza Rahely. Saro-piterahana izy. 17Raha tao anatin'ny fangirifirian'ny fahasarotam-piterahana izy, dia nilaza taminy ilay mpampivelona hoe: "Aza matahotra, fa izao dia hahazo zazalahy iray hafa ianao." 18Ary raha teo am-pialany aina, tamin'ny fara-fofonainy no niantsoiny azy hoe Benony izy, kanefa ny rainy niantso azy hoe Benjamina. 19Maty Rahely ary nalevina teny amin'ny lalana mankany Efratà (izay atao hoe Betlehema). 20Nanangana tsangam-bato teo ambonin'ny fasany i Jakoba. Izany no famantarana ny fasan'i Rahely hatramin'izao.
21Nanohy ny diany Israely ary nanangana ny lainy tao ambadiky ny tilikambo fiambenana ireo ondry aman'osy. 22Raha nipetraka tao amin'izany tany izany Israely, dia niara-nandry tamin'i Bila izay vaditsindranon-drainy i Robena, ka ren'i Israely izany. Ary nanan-janaka lahy roa ambin'ny folo i Jakoba.
23Ireo zanany lahy avy tamin'i Lea dia Robena, ilay lahimatoan'i Jakoba, sy Simeona, Levi, Joda, Isakara, ary Zebolona. 24Ireo zanany lahy avy amin'i Rahely dia Josefa sy Bejamina. 25Ireo zanany lahy avy amin'i Bila, izay mpanompovavin'i Rahely, dia Dana sy Naftaly.
26Ireo zanaka lahy avy amin'i Zilpa, mpanompovavin'i Lea, dia Gada sy Asera. Ireo rehetra ireo no zanaka lahin'i Jakoba izay naterany tany Padana-Arama. 27Jakoba tonga tany amin'i Isaka, rainy, tany Mamre any Kiriat-Arba (na Hebròna ihany koa), toerana izay nipetrahan'i Abrahama sy Isaka.
28Niaina valopolo amby zato taona Isaka. Niala aina i Isaka ka maty ary nangonina ho any amin'ireo razambeny, zokiolona voky andro izy. 29Esao sy Jakoba, ary ireo zanany lahy, no nandevina azy.

36

1Ireto ny taranak'i Esao (izay antsoina ihany koa hoe: Edoma). 2Avy tamin'ireo Kananita i Esao no naka ireo vadiny. Ireto avy ireo vadiny: Ada ilay zanaka vavin'i Elona ilay Hetita; Oholibama ilay zanakavavin'i Ana, ilay zafikelin'i Zibona ilay Hivita; 3ary Basemata, zanaka vavin'Ismaela, anabavin'i Nebaiota.

4Niteraka an'i Elifaza tamin'i Esao i Ada, ary Basemata niteraka an'i Regoela. 5Oholibama niteraka an'i Jeosy, Jalama, ary Kora. Ireo no zanaka naterak'i Esao izay teraka ho azy tany amin'ny tany Kanàna.
6Nalain'i Esao ireo vadiny, ireo zanany lahy, ireo zanany vavy, sy ireo mpikambana rehetra ao amin'ny ankohonany, ireo biby fiompiny—ireo bibiny rehetra, sy ireo fananany rehetra, izay nangoniny tany amin'ny tany Kanana, ka lasa nankany amin'ny tany izay lavitra an'i Jakoba rahalahiny. 7Nanao izany izy satria maro loatra ireo fananan'izy ireo raha hiara-honina. Ny tany izay efa nanorenan'izy ireo fonenana dia tsy nahazaka azy ireo noho ireo biby fiompin'izy ireo. 8Noho izany Esao, izay fantatra ihany koa amin'ny hoe Edoma, dia nonina tany an-tendrombohitr'i Seira.
9Izy ireo no taranak'i Esao, ilay razamben'ny Edomita tany an-tendrombihitr'i Seira. 10Ireto ny anaran'ireo zanaka lahin'i Esao: Elifaza zanak'i Ada, ilay vadin'i Esao, Regoela zanak'i Basemata, ilay vadin'i Esao. 11Temana, Omara, Zefo, Gatama, ary Kenaza no zanaka lahin'i Elifaza. 12Timna, vaditsindranon'i Elifaza, zanak'i Esao, niteraka an'i Amaleka. Ireo no zafikelin'i Ada, vadin'i Esao.
13Ireto no zanak'i Regoela: Nahata, Zera, Sama, ary Miza. Ireo no zafikelin'i Basemata, vadin'i Esao. 14Ireto no zanak'i Oholibama, vadin'i Esao, izay zanaka vavin'i Ana sy zafikelin'i Zibona. Izy dia niteraka an'i Jeosy, Jalama, ary Kora tamin'i Esao.
15Ireto ny foko teo amin'ny taranak'i Esao: ireo taranak'i Elifaza, ilay lahimatoan'i Esao: Temana, Omara, Zefo, Kenaza, 16Kora, Gatama, ary Amaleka. Ireo no foko izay avy amin'ny taranak'i Elifaza tany amin'ny tanin'i Edoma. Izy ireo no zafikelin'i Ada.
17Ireto ny foko avy amin'i Regoela, zanakalahin'i Esao: Nahata, Zera, Sama, Miza. Ireo no foko avy amin'ny taranak'i Regoela tany amin'ny tany Edoma. Ireo no zafikelin'i Basemata, vadin'i Esao. 18Ireto ny fokon'i Oholibama, vadin'i Esao: Jeosy, Jalama, Kora. Ireo no foko avy amin'ny taranakin'i Oholibama vadin'i Esao, zanakavavin'i Anà. 19Ireo no zanaka lahin'i Esao, ary ireo no fokon'izy ireo.
20Ireto ny zanaka lahin'i Seira ilay Horita, ireo mponin'ny tany: Lotana, Sobala, Zibona, Ana, 21Disona, Ezera, ary Disana. Ireo no fokon'ny Horita, ireo mponin'i Seira tany amin'ny tany Edoma. 22Hory sy Hemana no zanak'i Lotana, ary Timna no anabavin'i Lotana.
23Ireto no zanaka lahin'i Sobala: Alvana, Manahata, Ebala, Sefo, ary Onama. 24Ireto no zanaka lahin'i Zibona: Aia sy Ana. Ana no nahita ilay loharano mafana tany an'efitra, raha niandry ireo borikin'i Zibona rainy izy.
25Ireto ny zanak'i Ana: Disona sy Oholibama, ilay zanaka vavin'i Ana. 26Ireto ny zanaka lahin'i Disona: Hemdana, Esbana, Jitrana, ary Kerana. 27Ireto ny zanaka lahin'i Ezera: Bilana, Zavana, ary Akana. 28Ireto ny zanaka lahin'i Disana: Oza sy Arana.
29Ireto ny fokon'ireo Horita: Lotana, Sobala, Zibona, ary Ana, 30Disona, Ezera, Disàna: ireto ny fokon'i Horita, araka ny fokon'izy ireo notanisaina tany amin'ny tany Seira.
31Ireto ny mpanjaka izay nanjaka tany amin'ny tany Edoma talohan'izay mpanjaka nanjaka teo amin'ireo Israelita: 32Bela zanak'i Beora, nanjaka an'i Edoma, ary Dinaba no anaran'ny tanànany. 33Rehefa maty Bela, dia nanjaka teo amin'ny toerany i Jobaba zanakalahin'i Zera, avy any Bozra.
34Rehefa maty Jobaba, dia nandimby ny toerany i Hosama izay avy amin'ny tanin'ireo Temanita. 35Rehefa maty Hosama, dia nandimby ny toerany i Hadada zanakalahin'i Bedada ilay nandresy an'ireo Midianita tany amin'ny tany Moaba. Avita no anaran'ilay tanànany. 36Rehefa maty Hadada, dia nandimby ny toerany i Samla avy any Masreka.
37Rehefa maty Samla, dia nandimby ny toerany i Saoly avy any Rehobota izay eo akaikin'ny ony. 38Rehefa maty Saoly, dia nandimby ny toerany i Bala-hanana ilay zanaka lahin'i Akbora. 39Rehefa maty Bala-hanana ilay zanaka lahin'i Akbora, dia nandimby ny toerany i Hadara. Pao no anaran'ilay tanànany. Ny anaran'ny vadiny dia Mehetabela, ilay zanaka vavin'i Matreda, izay zafikelin'i Me-zahaba.
40Ireto no anaran'ireo lehiben'ireo foko avy amin'ny taranak'i Esao, araka ireo foko sy ny faritr'izy ireo, tamin'ny anaran'izy ireo: Timna, Alva, Jeteta, 41Oholibama, Elaha, Pinona, 42Kenaza, Temana, Mibzara, 43Magdiela, Irama. Ireo no lehiben'ny fokon'i Edoma, araka ireo fonenany any amin'ny tany izay nananan'izy ireo. Esao izany, ilay rain'y Edomita.

37

1Nonina tany amin'ilay tany izay nitoeran'ny rainy i Jakoba, tao amin'ny tany Kanana. 2Izao ny tranga mahakasika an'i Jakoba. Josefa, izay tovolahy fito ambin'ny folo taona, dia niambina ireo ondry aman'osy niaraka tamin'ireo rahalahiny. Izy dia niaraka tamin'ireo zanaka lahin'i Bila sy ireo zanaka lahin'i Zilpa, ireo vadin'ny rainy. Nanao tatitra ratsy momba azy ireo tamin'ny rainy i Josefa.

3Ary dia tian'i Israely mihoatra noho ireo zanany lahy hafa i Josefa noho izy zanakin'ny fahanterany. Nanjairany akanjo tsara tarehy izy. 4Hitan'ireo rahalahiny fa tian'ny rainy mihoatra noho ireo rahalahiny rehetra izy. Nankahala azy izy ireo ary tsy niteny am-pitiavana taminy.
5Nahazo nofy i Josefa, ary notantarainy tamin'ireo rahalahiny izany. Vao maika nankahala azy izy ireo. 6Hoy izy tamin'izy ireo hoe: "Mba henoy anie izao nofiko izay nonofisiko izao.
7Indro, namehy amboaram-bary tany an-tsaha isika ary indro, niarina ny amboarako ka tafajoro tsara, ary indro, nilahatra nanodidina ny ahy kosa ireo amboaranareo ary niankohoka teo anatrehan'ny amboarako." 8Hoy ireo rahalahiny taminy hoe: "Dia hanjaka aminay tokoa ve ianao? Hanapaka anay tokoa ve ianao?" Vao maika izy ireo nankahala azy noho ireo nofiny sy ireo teniny.
9Dia mbola nanofy hafa indray izy ka nambarany tamin'ireo rahalahiny. Hoy izy hoe: "Mbola nahazo nofy hafa indray aho: Niankohoka teo anatrehako ny masoandro sy ny volana ary ny kintana iraika ambin'ny folo." 10Notantarainy tamin-drainy izany toy ny nataony tamin'ireo rahalahany, ka notenenin-drainy mafy izy. Hoy izy taminy hoe: "Inona izany azonao nofy izany? Dia hiankohoka amin'ny tany eo anatrehanao tokoa ve izaho sy ny reninao ary ireo rahalahinao?" 11Nialona azy ireo rahalahany, fa ny rainy kosa nitadidy izany zavatra izany tao an-tsainy.
12Nandeha niandry ireo ondry aman'osin-drainy tany Sekema ireo rahalahiny. 13Hoy Israely tamin'i Josefa hoe: "Moa tsy lasa niandry ireo ondry aman'osy any Sekema ve ireo rahalahinao? Avia, fa hirahiko ho any amin'izy ireo ianao." Hoy Josefa taminy hoe: "Vonona aho." 14Hoy izy taminy hoe: "Mandehana, ndeha zahao raha salama ireo rahalahinao sy ireo ondry aman'osy, ary tatero aty amiko." Ary dia navoakan'i Jakoba nihoatra ny lohasahan'i Hebrona izy, ary Josefa nankany Sekema.
15Ary nisy lehilahy iray nahita an'i Josefa. Indro, i Josefa nirenireny teny an-tsaha. Nanontany azy ilay lehilahy hoe: "Inona no tadiavinao?" 16Hoy Josefa hoe: "Mitady ireo rahalahiko aho. Miangavy, mba lazao ahy re, aiza izy ireo no miandry ireo ondry aman'osy." 17Hoy ilay lehilahy hoe: "Efa nandao ity toerana ity izy ireo, ary reko izy ireo niteny hoe: 'Andeha isika ho any Dotana."' Nanaraka ny dian'ireo rahalahany i Josefa ka nahita azy ireo tany Dotana.
18Tazan'izy ireo avy lavitra izy, ary talohan'ny nahatongavany teo akaikin'izy ireo, dia nanao tetika hamonoana azy izy ireo. 19Nifampiresaka ireo rahalahany hoe: "Jereo, tamy ilay mpanonofy. 20Avia ankehitriny, andeha ho vonointsika izy ka hatsipintsika ao amin'iray amin'ireo lavaka. Ho lazaintsika hoe: 'Narapakin'ny bibidia izy.' Dia ho hitantsika eo izay hiafaran'ireo nofiny."
21Nandre izany Robena ka namonjy azy teo am-pelan-tanan'izy ireo. Hoy izy hoe: "Aleo tsy esorintsika ny ainy." 22Hoy Robena tamin'izy ireo hoe: "Aza mandatsa-drà. Atsipazo any amin'ny lavaka izay an'efitra izy, fa aza mikasi-tanana azy"— mba hafahany manavotra azy eo an-tanan'izy ireo ka hitondra azy miverina any amin-drainy.
23Ary rehefa tonga teo amin'ireo rahalahiny Josefa, dia nendahan'izy ireo taminy ilay akanjo tsara tarehy. 24Noraisin' izy ireo izy ary natsipiny tao anaty lavaka. Foana ilay lavaka ary tsy nisy rano tao anatiny.
25Nipetraka izy ireo mba hihinana mofo. Nanandratra ny masony izy ireo ka nijery, indreny, nisy Ismaelita niara-dia avy tany Gileada, niaraka tamin'ny ramevan'izy ireo izay nitondra hanitra, sy balsama ary miora. Nandeha izy ireo mba hitondra izany hidina ho any Egypta. 26Hoy Joda tamin'ireo rahalahiny hoe: "Inona no tombotsoa ho azontsika raha mamono ny rahalahintsika sy manafina ny ràny isika?
27Ndeha, ary aoka hamidintsika amin'ireo Ismaelita izy ary aoka tsy hisy hikasi-tanana azy isika. Satria rahalahintsika izy, nofontsika izy." Nihaino azy ireo rahalahiny. 28Nandalo ireo Midianita mpivaro-mandeha. Nosintomin'ireo rahalahiny ary nankariny avy tao an-davaka i Josefa. Namidin'izy ireo farantsa volafotsy roapolo tamin'ireo Ismaelita i Josefa. Dia nentin'ireo Ismaelita tany Egypta i Josefa.
29Niverina teo amin'ilay lavaka Robena, ary, indro, tsy tao anaty lavaka i Josefa. Norovitiny ny fitafiany. 30Niverina tany amin'ireo rahalahiny izy ary niteny hoe: "Tsy ao ilay zazalahy! Aiza no tany halehako?"
31Namono osy iray izy ireo ary naka ny akanjon'i Josefa ka nanatsoboka izany tao amin'ilay rà. 32Ary dia nentin'izy ireo tany amin'ny rainy izany ary hoy izy ireo hoe: "Hitanay ity. Mba jereo raha akanjon'ny zanakao ity na tsia." 33Fantatr'i Jakoba izany ary hoy izy hoe: "Akanjon'ny zanako ity. Narapaky ny bibidia izy. Tena rotidrotika tokoa Josefa."
34Nandrovitra ny fitafiany Jakoba ary nisikina lamba fisaonana teo am-balahany. Nisaona ny zanany nandritry ny andro maro izy. 35Nitsangana nampionona azy avokoa ny zanany lahy sy ny zanany vavy rehetra, fa tsy nety nampiononina izy. Hoy izy hoe: "Hidina ho any amin'ny fiainan-tsi-hita tokoa aho hisaona ny zanako lahy." Nitomany azy ny rainy. 36Namidin'ireo Midianita tany Egypta tamin'i Potifara izy, tandapan'i Farao, ilay lehiben'ny mpiambina.

38

1Ary tamin'izany andro izany dia nandao ireo rahalahiny i Joda ary niara-nipetraka tamina Adolamita, izay nantsoina hoe Hira. 2Tany no nihaonany tamin'ny zanaka vavin'ny lehilahy Kananita izay nantsoina hoe Soa. Nanambady azy izy ary niara-nandry taminy.

3Nanan'anaka izy ary nahazo zazalahy. Era no niantsoana azy. 4Nanan'anaka indray izy ary nahazo zazalahy. Nantsoiny hoe Onana. 5Ary mbola nahazo zazalahy indray izy ary nantsoiny hoe Sela. Tany Keziba no niterahany azy.
6Joda nahita vady ho an'i Era, lahimatoany. Tamara no anarany. 7Era zanaka lahimatoan'i Joda dia ratsy teo imason'i Yaveh. Novonoin'i Yaveh izy.
8Hoy Joda tamin'i Onana hoe: "Mandria miaraka amin'ny vadin'ny rahalahinao. Ataovy aminy ny adidy amin'ny maha-zaodahy anao, ary manangàna zanaka ho an'ny rahalahinao." 9Ary fantatr'i Onana fa ny zaza dia tsy ho azy. Ka isaky ny niara-nandry tamin'ny vadin-drahalahiny izy, dia nararany tamin'ny tany ny tsirin'ainy mba tsy hananany zaza ho an'ny rahalahiny. 10Ratsy ny nataony teo imason'i Yaveh. Novonoin'i Yaveh ihany koa izy.
11Ary hoy Joda tamin'i Tamara, vinanto vaviny hoe: "Aoka ianao hijanona mpitondratena ao an-tranon-drainao mandra-pahalehibe an'i Sela, zanako lahy." Satria natahotra izy hoe: "Sao ho faty tahaka ireo rahalahiny ihany koa izy." Lasa Tamara ary nipetraka tao an-tranon'ny rainy.
12Fotoana maro taty aoriana, dia maty ny vadin'i Joda, zanaka vavin'i Soa. Efa nionona i Joda ary niakatra tany amin'ny mpanety ny ondriny tany Timna, izy sy Hira ilay Adolamita namany. 13Nisy nilaza tamin'i Tamara hoe: "Indro, ny rafozanao fa miakatra any Timna hanety ny ondriny." 14Nesoriny ny akanjo maha-mpitondratena azy dia norakofany ny voaliny ary nosaronany ny tenany. Nipetraka teo am-bavahadin'i Enaima, izay teo akaikin'ny lalana mankany Timna izy. Satria efa hitany fa efa lehibe i Sela kanefa tsy mba natolotra ho vadiny izy.
15Rehefa nahita azy i Joda dia nihevitra fa mpivaro-tena izy satria nosaronany ny tarehiny. 16Nanatona azy teny an-dalana izy ary niteny hoe: "Avia, aleo aho mba hiara-mandry aminao" —satria tsy fantany hoe vinantovaviny izy—ary hoy izy hoe: "Inona no homenao ahy dia afaka miara-mandry amiko ianao?"
17Hoy izy hoe: "Hanaterako zanak'osy amin'ireo ondry aman'osy ianao." Hoy izy hoe: "Hanome antoka ahy ve ianao mandra-panateranao izany?" 18Hoy izy hoe: "Inona no antoka azoko omena anao?" Namaly izy hoe: "Fanombohan-kase sy ny kofehinao, ary iny tehina eny an-tananao iny." Nomeny azy ireo ary niara-nandry taminy izy, ka dia nitoe-jaza taminy izy.
19Nitsangana izy ary niala teo. Nesoriny ny voaliny ary nampidiriny ny lamba maha mpitondratena azy. 20Nampanaterin'i Joda an'ilay Adolamita namany ny zanak'osy tamin'ireo ondry aman'osy mba hahazoany ilay antoka teny an-tanan-dravehivavy, kanefa tsy nahita azy izy.
21Avy eo dia nanontany ireo lehilahy nonina teo an-toerana ilay Adolamita hoe: "Aiza ilay mpivarotena teto amin'ny lalan'i Enaima?" Hoy izy ireo hoe: "Tsy nisy mpivaro-tena teto." 22Dia niverina tany amin'i Joda izy ary hoy izy hoe: "Tsy nahita azy aho. Ary hoy koa ireo lehilahy teo an-toerana hoe: 'Tsy nisy mpivaro-tena teto" 23Hoy i Joda hoe: "Aleo ho tazominy any ireny zavatra ireny, mba tsy hanala baraka antsika. Efa nampanatitra zanak'osy tokoa aho, kanefa ianao tsy nahita azy."
24Ary rehefa afaka telo volana teo dia nisy nilaza tamin'i Joda hoe: "Nivarotena i Tamara vinantovavinao, ary efa mitoe-jaza noho izany tokoa izy." Hoy Joda hoe: "Ento aty izy ary aoka ho dorana." 25Ary rehefa navoaka izy dia nampita hafatra tany amin'ny rafozany hoe: "Avy amin'ny lehilahy tompon'ireto no nampitoe-jaza ahy." Hoy izy hoe: "Mba fantaro re hoe an'iza ireto fanombohan-kase sy kofehy ary tehina ireto." 26Ary fantatr'i Joda ireo zavatra ireo ka hoy izy hoe: "Marina mihoatra ahy izy, satria izy dia tsy natolotro ho vadin'i Sela zanako." Ary tsy niara-nandry taminy intsony izy.
27Ary tamin'izany andro izany dia teraka izy, indro, kambana no tao an-kibony. 28Ary raha teo am-piterahana dia nipoitra ny tanan'ny iray tamin'ireo zaza, ary naka kofehy mena ilay mpampivelona ka nataony voina tamin'ny tanany ary hoy izy hoe: "Ity no teraka voalohany."
29Ary avy eo dia nahemony ny tanany, ary indro, ny rahalahiny nivoaka voalohany. Hoy ilay mpampivelona hoe: "Tamin'ny fomba ahoana no nahatafavoaka anao!" Koa dia nantsoina hoe Fareza izy. 30Ary nivoaka indray ilay rahalahiny, izay nisy an'ilay kofehy mena tamin'ny tanany ka nantsoina hoe Zera izy.

39

1Nentina nidina tany Egypta i Josefa. Potifara, manam-pahefana an'i Farao izay kapitenin'ny mpiambina sy Egyptiana, no nividy azy tamin'ireo Ismaelita, izay nitondra azy nidina tany. 2Nomba an'i Josefa i Yaveh ka tonga lehilahy ambinina izy. Nipetraka tao amin'ny tranon'ny Egyptiana tompony izy.

3Ny tompony dia nahita fa nomba azy Yaveh ary nampiroborobo ny zavatra rehetra izay nataony. 4Dia nahita sitraka teo imasony i Josefa. Ary nanompo an'i Potifara izy. Nataon'i Potifara ho mpitantana ny tranony i Josefa, ary izay rehetra nananany, dia nataony teo ambany fiahiany.
5Ary nanomboka tamin'ny fotoana izay nampitantanany azy ny tranony sy izay rehetra nananany, dia notahian'i Yaveh ny tranon'ilay Egyptiana noho i Josefa. Ny fitahian'i Yaveh dia tao amin'ny zavatra rehetra izay nananan'i Potifara tao an-trano sy tany an-tsaha. 6Napetrak'i Potifara teo ambany fiahian'i Josefa izay rehetra nananany. Tsy nila nieritreritra na inona na inona afa-tsy ny sakafo ho haniny izy. Ary Josefa dia tsara tarehy sady mahasarika.
7Ary tao aorian'izay dia nitsiriritra an'i Josefa ny vadin'ny tompony. Hoy izy hoe: "Mandria miaraka amiko." 8Fa nandà izy ka niteny tamin'ny vadin'ny tompony hoe: "Indro, ny tompoko tsy miraharaha izay zavatra ataoko ato an-trano, ary nametraka tamiko ny zavatra rehetra izay azy eo ambany fiahiako izy. 9Tsy misy lehibe noho izaho ato amin'ity trano ity. Tsy nandrara na inona na inona tamiko afa-tsy ianao izy, satria vadiny ianao. Dia ahoana no ahafahako manao izany faharatsiana lehibe sy fahotàna manohitra an'Andriamanitra izany?"
10Niteny tamin'i Josefa isan'andro isan'andro izy, saingy nandà tsy hiara-handry aminy na hiaraka aminy izy. 11Ary indray andro dia niditra tao an-trano hanao ny asany izy. Tsy nisy tamin'ireo lehilahy ao an-trano nijanona tao. 12Nisambotra azy tamin'ny akanjony izy ary niteny hoe: "Mandria miaraka amiko." Navelany teo an-tanany ny akanjony, ka nandositra, ary nivoaka tany ivelany izy.
13Ary rehefa hitany fa navelany teo an-tanany ny akanjony ary nandositra nivoaka tany ivelany izy, 14dia nantsoiny ireo olona tao an-tranony ary nilazany hoe: "Jereo, Potifara nampiditra Hebreo mba hisangy antsika. Niditra tao amiko izy mba hiara-handry amiko, dia nihiakiaka aho. 15Ary rehefa reny nihiakiaka aho, dia navelany teto amiko ny akanjony, ka nandositra, ary nivoaka tany ivelany izy."
16Napetrany teo akaikiny ilay akanjon'i Josefa mandra-pahatonga ny tompony tao an-trano. 17Niteny taminy izao fanazavana izao izy hoe: "Ilay mpanompo Hebreo izay nentinao ho antsika, dia niditra tato haniratsira ahy. 18Ary rehefa nihiakiaka aho, dia navelany teto amiko ny akanjony ka nandositra tany ivelany izy."
19Ary rehefa henon'ny tompony ny fanazavana notenenin'ny vadiny taminy hoe: "Izany no nataon'ny mpanomponao tamiko," dia tezitra mafy izy. 20Naka azy ny tompon'i Josefa ka nametraka azy tany am-ponja, toerana izay nitazomana ireo voafonjan'ny mpanjaka. Dia tao an-tranomaizina izy.
21Fa Yaveh nomba an'i Josefa ka naneho ny tsy fivadiham-panekena taminy. Nampahita fitia azy teo imason'ny mpiambina ny fonja Izy. 22Nampandray an-tanana an'i Josefa ny voafonja rehetra izay tao an-tranomaizina ilay mpiambina ny fonja. Na inona na inona nataon'izy ireo tao, dia nandray an-tanana izany Josefa. 23Ny mpiambina ny fonja dia tsy nanahy ny zavatra rehetra izay teo an-tanany, satria nomba azy Yaveh. Izay rehetra nataony, dia nambinin'i Yaveh.

40

1Ary taorian'izany zavatra rehetra izany, dia nanafintohina ny tompon'izy ireo, ilay mpanjakan'i Egypta, ny mpitondra kapoakan'ny mpanjaka sy ny mpanao mofony. 2Tezitra tamin'ireo manam-pahefany roa lahy i Farao, dia ny lehiben'ny mpitondra kapoaka sy ny lehiben'ny mpanao mofo. 3Nogadrainy tao an-tranon'ny lehiben'ny mpiambina izy ireo, tao amin'ilay fonja izay nihazonana an'i Josefa ihany.

4Nanendry an'i Josefa ny lehiben'ny mpiambina mba ho mpanompon'izy ireo. Ary izy ireo nitoetra nandritry ny fotoana maharitra tany am-ponja. 5Samy nanonofy izy ireo—ilay mpitondra kapoaka sy mpanao mofon'ny mpanjakan'ny Egypta izay nohazonina tao amin'ny fonja—dia samy nanana ny nofiny avy izy roa lahy tamin'io alina io, ary ny nofy tsirairay dia samy nanana ny heviny manokana.
6Tonga maraina tao amin'izy ireo i Josefa ary nahita azy ireo. Indro, nalahelo izy ireo. 7Nangataka tamin'ireo tandapan'i Farao izay niaraka taminy tao am-ponja tao an-tranon'ny tompony izy, nanao hoe: "Nahoana ianareo no toa malahelo izao?" 8Hoy izy ireo taminy hoe: "Nanofy izahay roa lahy ary tsy misy afaka ny hilaza ny hevitr'izany." Hoy Josefa tamin'izy ireo hoe: "Tsy avy amin'Andriamanitra ve ny fanomezana dika izany? Mba lazao ahy re."
9Dia nilaza ny nofiny tamin'i Josefa ilay lehiben'ny mpitondra kapoaka. Hoy izy taminy hoe: "Tao anatin'ny nofiko, dia indro, nisy voaloboka teo anoloako. 10Nisy sampana telo tamin'ilay voaloboka. Raha nitsimoka izany, dia namony ny voniny ary masaka ireo sampam-boaloboka. 11Teo an-tanako ny kapoakan'i Farao. Nalaiko ireo voaloboka ka nofihazako tao anatin'ny kapoakan'i Farao ireo, ary napetrako teo an-tanan'i Farao izany."
12Niteny taminy Josefa hoe: "Ity no hevitr'izany. Ny sampam-boaloboka telo dia mira hateloana. 13Ao anatin'ny hateloana i Farao no hampitraka ny lohanao ary hamerina anao amin'ny asanao. Hametraka ny kapoakan'i Farao eo an-tanany ianao, toy ny tamin'ny naha-pitondra ny kapoakany anao.
14Fa tsarovy aho rehefa milamina ny aminao, ary mba manehoa hatsaram-panahy amiko. Resaho any amin'i Farao aho ary esory ato amin'ity fonja ity. 15Fa nalaina an-keriny tamin'ny tany Hebreo tokoa aho. Eto ihany koa dia tsy nisy zavatra nataoko izay tokony nametrahan'izy ireo ahy ato amin'ity fonja ity."
16Rehefa hitan'ny lehiben'ny mpanao mofo fa tsara ny hevitr'izany, dia hoy izy tamin'i Josefa hoe: "Nanofy ihany koa aho, ary, indro, nisy harona telo nisy mofo teo an-dohako. 17Teo amin'ny harona ambony indrindra dia nisy ireo karazan-javatra maro natao mofo ho an'i Farao, kanefa nohanin'ireo vorona avy tao amin'ny harona teo ambony lohako izany.
18Namaly Josefa ary nanao hoe: "Izao no hevitr'izany. Ny harona anaky telo dia mira hateloana. 19Anatin'ny hateloana no hanalan'i Farao ny lohanao ary hanantonany anao eo ambony hazo. Ary hihinana ny nofonao ireo vorona."
20Ary tamin'ny andro fahatelo ny fitsingerenan'ny andro nahaterahan'i Farao. Nanao fanasana ho an'ny mpanompony rehetra izy. "Nasandrany" ny lohan'ilay lehiben'ny mpitondra kapoaka sy ny lohan'ilay lehiben'ny mpanao mofo, teo amin'ireo mpanompony. 21Naveriny tamin'ny andraikiny ny lehiben'ny mpitondra kapoaka, ary nametraka ilay kapoaka teo an-tanan'i Farao indray izy. 22Fa nahantony kosa ny lehiben'ny mpanao mofo, arak'izay nolazain'i Josefa tamin'izy ireo. 23Kanefa tsy mbola nahatsiaro an'i Josefa ilay lehiben'ny mpitondra kapoaka, fa adinony aza ny momba azy.

41

1Ary rehefa afaka roa taona naninjitra dia nanana nofy iray Farao. Raha nitsangana teo amin'i Neily izy. 2Dia indro, nisy omby vavy fito nivoaka avy tao amin'i Neily, mampitsiriritra sy matavy, ary niraoka vilona teo amin'ny sisiny ireo. 3Indro, nisy omby vavy fito hafa nivoaka avy tao amin'i Neily taorian'ireo, tsy maha te-ho tia sy mahia. Nankeo akaikin'ireo omby vavy hafa teo amoron'ny renirano ireo.

4Avy eo ireo omby vavy marary sy mahia nihinana ireo omby vavy mampitsiriritra sy matavy fito. Avy eo nifoha i Farao. 5Natory indray izy ary nanofy fanindroany. Indro, nisy salohim-bary fito nitsiry avy tamin'ny taho iray, vokatra be sy tsara. 6Indro, nisy salohim-bary fito hafa, manify ary main'ny rivotra antsinanana, nitsimoka taorian'ireo.
7Nitelina ireo salohy fito vokatra be sy tsara ireo salohy manify. Taitra Farao, ary, indro, nofy izany. 8Ary tonga ny maraina ka nihorohoro ny fanahiny. Naniraka ka nampiantso ireo mpahay ody sy olon-kendrin'i Egypta rehetra izy. Nolazain'i Farao tamin'izy ireo ny nofiny, fa tsy nisy iray tamin'izy ireo afaka nanazava izany tamin'i Farao.
9Ary ny lehiben'ny mpitondra kapoaka niteny tamin'i Farao hoe: "Izao aho vao miheritreritra ireo fahotako. 10Tezitra tamin'ireo mpanompony i Farao, ka nandefa ahy tany an-tranomaizina tao an-tranon'ny kapitenin'ny mpiambina, izaho sy ilay lehiben'ny mpanao mofo. 11Niara-nanofy izahay tamin'io alina io, izaho sy izy. Samy nanana ny nofiny araka ny dikany avy izahay.
12Nisy tovolahy Hebreo niaraka taminay tao, mpanompon'ilay kapitenin'ny mpiambina. Nolazainay azy ary nandika ny hevitr'ireo nofinay taminay izy. Nandika tamin'ny tsirairay taminay araka ny nofiny avy izy. 13Ary raha nandika ny hevitr'ireo nofinay taminay izy, dia niseho izany. Naverin'i Farao tamin'ny toerana nisy ahy aho, fa ilay iray hafa nahantony."
14Avy eo Farao naniraka ka nampiantso an'i Josefa. Navoakan'izy ireo faingana tao an-tranomaizina izy. Niaratra izy, nisolo akanjo, ary nankany amin'i Farao. 15Hoy Farao tamin'i Josefa hoe: "Nanofy aho, fa tsy misy afaka manazava izany. Fa nandre momba anao aho, fa rehefa mahare nofy ianao dia afaka manazava izany. 16Namaly an'i Farao i Josefa, nanao hoe: "Tsy ato amiko izany. Andriamanitra no hamaly an'i Farao araka izay sitrany."
17Hoy Farao tamin'i Josefa hoe: "Tao amin'ny nofiko, dia indro, nitsangana teo amin'ny sisin'i Neily aho. 18Indro, nisy omby vavy fito nivoaka avy tao amin'i Neily, matavy sy mampitsiriritra, ary niraoka bozaka teo amin'ny sisiny ireo.
19Indro, nisy omby vavy fito hafa nivoaka tao aorian'izy ireo, tsy maha-te-ho tia, ary mahia. Tsy mbola nahitana faharatsiana tahaka izany mihitsy aho nanerana ny tanin'i Egypta manontolo. 20Ireo mahia sy omby vavy ratsy no nihinana ireo omby vavy matavy voalohany. 21Rehefa lanin'izy ireo izany, dia tsy nisy nahafantatra akory hoe nohanin'izy ireo izany, satria mbola ratsy toy ny teo aloha ihany izy ireo. Avy eo dia nifoha aho.
22Niverina nanofy indray aho, ary, indro, nisy salohim-bary fito nitsimoka tamin'ny taho iray, vokatra be ary tsara. 23Indro, nisy salohim-bary fito hafa, malazo, manify sy main'ny rivotra atsinanana, nitsimoka taorian'ireo. 24Nitelina ireo salohim-bary fito tsara ireo salohim-bary manify. Nolazaiko tamin'ireo mpahay ody izany, fa tsy nisy tamin'izy ireo afaka nanazava izany tamiko."
25Hoy Josefa tamin'i Farao hoe: "Mitovy ireo nofin'i Farao ireo. Izay ho ataon'Andriamanitra, dia nambarany tamin'i Farao. 26Ireo omby vavy fito tsara dia ny fito taona, ary ny salohim-bary fito dia ny fito taona. Mitovy ireo nofy ireo.
27Ireo omby vavy fito mahia sy tsy maha-te-hotia izay tonga taorian'izy ireo dia taona fito, ary ireo salohim-bary manify fito main'ny rivotra atsinanana ihany koa dia taona fiton'ny mosary. 28Izany no zavatra izay nolazaiko tamin'i Farao. Izay ho ataon'Andriamanitra dia nambarany tamin'i Farao. 29Indro, fito taonan'ny fitobahana no ho tonga manerana ny tanin'i Egypta rehetra.
30Fito taonan'ny mosary no ho avy manaraka izany, ary ny fitobahana rehetra dia ho adino ao amin'ny tany Egypta, ary handringana ny tany ny mosary. 31Ho adino ao amin'ilay faritra ny fitobahana nohon'ny mosary izay manaraka izany, dia hasiaka tokoa. 32Naverimberina tamin'i Farao izany nofy izany satria izany tranga izany dia efa novolavolain'Andriamanitra, ary hanao izany tsy ho ela Andriamanitra.
33Ary aoka Farao hitady olona manan-tsaina sy hendry, ka hametraka azy amin'ny tany Egypta. 34Aoka Farao hanao izao: aoka izy hanendry mpiandraikitra ny tany. Aoka izy ireo haka ny ampahadimin'ny vokatr'i Egypta amin'ny taona fiton'ny fitobahana.
35Aoka izy ireo hanangona ny sakafo rehetra amin'io taona tsara izay ho avy io ka hitahiry ny vokatra eo ambany fahefan'i Farao, mba ho sakafo ho an'ireo mponina. Tokony arovan'izy ireo izany. 36Ny sakafo dia ho famatsiana ho an'ny tany amin'ny fito taonan'ny mosary izay ho ao amin'ny tany Egypta. Amin'izany fomba izany ny tany dia tsy ho ringan'ny mosary.
37Tsara teo imason'i Farao sy teo imason'ireo mpanompony rehetra izany hevitra izany. 38Hoy Farao tamin'ireo mpanompony rehetra hoe: "Afaka mahita olona tahaka izany ve isika, izay ao aminy ny Fanahin'Andriamanitra?"
39Ka hoy Farao tamin'i Josefa hoe: "Satria Andriamanitra nampiseho anao izany rehetra izany, dia tsy misy hafa misaina lalina sy hendry tahaka anao. 40Hitantana ny tranoko ianao, ary araka ny teninao no hanapahana ny vahoakako rehetra. Eo amin'ny seza fiandrianana ihany aho no ho ambony noho ianao. 41Hoy Farao tamin'i Josefa hoe: "Indro, apetrako aminao ny tanin'i Egypta rehetra."
42Nalan'i Farao tamin'ny tanany ny peratra misy ny tombo-kaseny ary natsofony tamin'ny tanan'i Josefa. Nampiankanjoany lamba rongony manify izy, ary nasiany rojo volamena ny vozony. 43Nampitaingenana teo amin'ny kalesy faharoa izay azy izy. Nihiakiaka nanoloana azy ny olona hoe: "Mandohaliha." Nataon'i Farao nanapaka teo amin'ny tanin'i Egypta rehetra izy.
44Hoy Farao tamin'i Josefa hoe: "Izaho no Farao, ary ankoatra anao, dia tsy misy olona hanandratra ny tanany na ny tongony amin'ny tanin'i Egypta rehetra. 45Niantso ny anaran'i Josefa hoe: "Zafenata Panea" i Farao. Nomeny ho vadiny i Asenata, ilay zanaka vavin'i Potifera mpisoron'i Ona. Namakivaky ny tanin'i Egypta rehetra i Josefa.
46Telopolo taona Josefa raha nitsangana teo anatrehan'i Farao izy, ilay mpanjakan'i Egypta. Niala teo amin'ny fanatrehan'i Farao izy, ary namakivaky ny tanin'i Egypta rehetra. 47Nandritry ny fito taona zina dia namokatra be ny tany.
48Nangoniny avokoa ny sakafo rehetra nandritry ny fito taona izay tao amin'ny tany Egypta ary napetrany tany amin'ireo tanàn-dehibe. Napetrany isaky ny tanàna ny sakafo izay avy amin'ny saha manodidina izany. 49Nangonin'i Josefa tahaka ny fasiky ny ranomasina ny voa, betsaka loatra ka nitsahatra nanisa izy, satria tsy hita isa izany.
50Tao alohan'ny nahatongavan'ny taonan'ny mosary, dia nanana zanaka roa lahy, tamin'i Asenata, zanaka vavin'i Potifera mpisorona tao Ona, i Josefa. 51Nantsoin'i Josefa hoe Manase ny lahimatoany, satria hoy izy hoe: "Andriamanitra nampanadino ahy ny olana rehetra sy ny ankohonan'ny raiko rehetra." 52Nantsoiny hoe Efraima ny zanaka lahiny faharoa, satria hoy izy hoe: "Andriamanitra nahamaro ahy teo amin'ny tanin'ny fahoriako."
53Andalam-pifaranana ireo fito taonan'ny fahabetsahana tao amin'ny tany Egypta. 54Nanomboka ny fito taonan'ny mosary, araka ny nolazain'i Josefa. Nisy mosary teo amin'ny tany rehetra, kanefa nisy sakafo kosa teo amin'ny tanin'i Egypta rehetra.
55Rehefa tao anatin'ny mosary ny tany rehetra tao Egypta, dia niantsoantso sakafo tamin'i Farao ny vahoaka. Hoy Farao tamin'ireo Egyptiana rehetra hoe: "Mankanesa any amin'i Josefa ary ataovy izay lazainy anareo." 56Nanerana ny faritriny ny tany iray manontolo ny mosary. Nanokatra ny trano fitehirizana rehetra Josefa ary nivarotra tamin'ireo Egyptiana. Mafy tokoa ny mosary tao amin'ny tanin'i Egypta. 57Tonga tao Egypta avokoa ireo firenena rehetra mba hividy vary amin'i Josefa, satria efa mafy ny mosary tany amin'ny tany rehetra.

42

1Ary fantatr'i Jakoba fa nisy vary tany Egypta. Niteny tamin'ireo zanany lahy izy hoe: "Nahoana no mifampijery ianareo?" 2Hoy izy hoe: "Indro, reko fa misy vary any Egypta. Midìna any ary mividiana any ho antsika mba hahavelona antsika fa tsy ho faty.3Nandeha nidina ireo rahalahin'i Josefa folo mba hividy vary any Egypta. 4Fa Benjamina, rahalahin'i Josefa, tsy nalefan'i Jakoba niaraka tamin'ireo rahalahiny, satria natahotra izy sao hisy loza mety hanjo azy.

5Tonga ireo zanaka lahin'Israely mba hividy niaraka tamin'ireo izay tonga, fa nisy mosary tany amin'ny tany Kanàna. Ary Josefa no mpanapaka amin'ilay tany. 6Izy ihany no nivarotra ho an'ireo vahoaky ny tany rehetra. Tonga ary nampiankohoka ny tavan'izy ireo tamin'ny tany teo aminy ireo rahalahin'i Josefa.
7Nahita ireo rahalahiny i Josefa ary nahalala azy ireo, nefa nanova ny endriny tamin'izy ireo izy ary niteny mafy tamin'izy ireo. Hoy izy tamin'izy ireo hoe: "Avy aiza ianareo?" Hoy izy ireo hoe: "Avy any amin'ny tany Kanàna mba hividy hanina." 8Fantatr'i Josefa ireo rahalahiny, fa izy ireo tsy nahalala azy.
9Dia tsaroan'i Josefa ilay nofy azony nahakasika azy ireo, dia hoy izy tamin'izy ireo hoe: "Mpitsikilo ianareo! Tonga mba hizaha ireo faritra tsy mbola voaaro eto amin'ny tany ianareo." 10Hoy izy ireo taminy hoe: "Tsia, tompoko. Tonga mba hividy hanina ireto mpanomponao. 11Zanaky ny lehilahy iray izahay rehetra. Lehilahy marina izahay. Tsy mpitsikilo ireto mpanomponao."
12Hoy izy tamin'izy ireo hoe: "Tsia, tonga mba hizaha ireo faritra mbola tsy voaaro eto amin'ny tany ianareo." 13Hoy izy ireo hoe: "Roa ambin'ny folo mirahalahy izahay mpanomponao, zanaky ny lehilahy iray any amin'ny tany Kanàna. Indro, ny faralahy dia any amin'ny rainay ankehitriny, ary ny rahalahy iray dia efa maty."
14Hoy Josefa tamin'izy ireo hoe: "Izao no nolazaiko anareo; mpitsikilo ianareo. 15Amin'izao no hitsapana anareo. Raha velona koa Farao, dia tsy hiala eto ianareo, raha tsy tonga eto ny faralahy aminareo. 16Iraho ny iray aminareo ary aoka izy haka ny rahalahinareo. Ary ianareo hijanona ao am-ponja, mba hahafahana mitsapa ny teninareo, raha misy fahamarinana ao aminareo." 17Nalefany tany am-ponja izy rehetra nandritry ny telo andro.
18Ny andro fahatelo dia hoy Josefa tamin'izy ireo hoe: "Izao no ataovy mba ho velona, fa matahotra an'Andriamanitra aho. 19Raha olo-marina ianareo, aoka ny iray amin'ireo rahalahinareo tsy hiala ao amin'ny fonja, fa mandehana ianareo, mivimbìna vary ho amin'ny mosary amin'ny tranonareo. 20Ento mankaty amiko ny faralahy aminareo hanamarinana ny teninareo sy tsy hahafaty anareo." Ary nataon'izy ireo izany.
21Nifampiresaka izy ireo hoe: "Meloka marina tokoa isika nohon'ny amin'ny rahalahintsika izay hitantsika ny fahorian'ny fanahiny raha niangavy antsika izy ary isika tsy nihaino azy. Koa noho izany no nahatonga izao fahoriana izao tamintsika." 22Hoy Robena namaly azy ireo hoe: "Tsy efa nilaza taminareo ve aho hoe: 'Aza manota amin'ilay zazalahy,' nefa tsy nihaino ahy ianareo? Indro, izao takiana amintsika ny ràny."
23Tsy fantatr'izy ireo fa nahafantatra ny fitenin'izy ireo i Josefa, satria nisy mpandika teny teo anelanelan'izy ireo. 24Nihodina niala tamin'izy ireo izy ka nitomany. Niverina nankeo amin'izy ireo indray izy ary niteny tamin'izy ireo. Nalainy teo amin'izy ireo i Simeona ary nafatony teo imason'izy ireo. 25Avy eo nibaiko ny mpanompony i Josefa mba hameno vary ny kitapon'ireo rahalahiny, ary mba hamerina ny volan'ny lehilahy tsirairay tao amin'ny lasakany, ary hanome azy ireo vatsy ho amin'ny dia. Natao ho azy ireo izany.
26Nameno vary ny ampondrany ireo mpirahalahy ary dia niainga tany. 27Raha nanokatra ny lasakany ny iray tamin'izy ireo mba hamahana ny ampondrany teo amin'ny toerana nandriany, dia nahita ny volany izy. Indro, teo ambavan'ny lasakany izany. 28Hoy izy tamin'ireo rahalahiny hoe: "Naverina ny volako. Jereo; ao anaty lasakako izany." Nihontan'ny tahotra ny fon'izy ireo sady nifampitodika am-pangovitana, nanao hoe: "Inona re ity nataon'Andriamanitra tamintsika?"
29Nandeha tany amin'i Jakoba izy ireo, ny rain'izy ireo tany amin'ny tany kanàna ary nilaza taminy izay rehetra niseho tamin'izy ireo. Hoy izy ireo hoe: 30"Ilay lehilahy, tompon'ny tany, dia niteny mahery anay ary nihevitra fa mpitsikilo tany amin'ilay tany izahay. 31Hoy izahay taminy hoe: 'Olo-marina izahay. Ary tsy mpitsikilo akory. 32Roa ambin'ny folo mirahalahy izahay, zanaky ny rainay. Efa maty ny iray, ary ny faralahy dia miaraka amin'ny rainay any amin'ny tany Kanàna ankehitriny.'
33Ilay lehilahy, tompon'ny tany, niteny taminay hoe: 'Izao no hahalalako fa olo-marina ianareo. Ajanony eto amiko ny iray amin'ireo rahalahinareo, mitondrà vary ho amin'ny mosary any amin'ny tranonareo, ary zory ny lalanareo. 34Ento eto amiko ny faralahy aminareo. Dia ho fantatro fa tsy mpitsikilo ianareo, fa lehilahy marina. Dia havotsotro ho anareo ny rahalahinareo, dia hividy eto amin'ny tany ianareo.'"
35Ary rehefa nanafoana ny tao an-dasakany izy ireo, no indro, ny fonosam-bolafotsin'ny lehilahy tsirairay avy dia tao anatin'ny lasakany. Nony hitan'izy ireo sy ny rain'izy ireo ny fonosam-bolafotsiny, dia natahotra izy ireo. 36Hoy Jakoba rain'izy ireo tamin'izy ireo hoe: "Efa nanaisotra ireo zanako tamiko ianareo. Josefa dia efa maty, i Simeona lasa, ary dia ho entinareo lavitra koa i Benjamina. Manohitra ahy avokoa ireo zavatra rehetra ireo."
37Niresaka tamin-drainy i Robena, nanao hoe: "Azonao vonoina ireo zanako roa lahy raha toa tsy mitondra an'i Benjamina miverina aminao aho. Apetraho eo an-tanako izy, dia hitondra azy aminao indray aho." 38Hoy Jakoba hoe: "Tsy handeha hidina hiaraka aminareo izany ny zanako lahy. Fa efa maty ny rahalahiny ary izy irery sisa. Raha misy loza tonga aminy eny amin'ny lalana izay alehanareo, dia hitondra amin-kalahelo ny volo-fotsiko midina any amin'ny Fiainan-tsy hita ianareo."

43

1Nisy mosary nahery vaika teo amin'ilay tany. 2Ary izao no nitranga rehefa lanin'izy ireo ny vary nentin'izy ireo avy tany Egypta, hoy ny rainy tamin'izy ireo hoe: "Mandehana indray; dia mividiana sakafo ho antsika."

3Niteny azy Joda hoe: "Nampitandrina mafy anay ralehilahy hoe: 'Tsy hahita ny tavako ianareo raha tsy miaraka amin'ny rahalahinareo.' 4Raha alefanao miaraka aminay ny ralahinay, dia andeha hidina sy hividy sakafo ho anao izahay. 5Nefa raha tsy alefanao miaraka aminay izy, dia tsy handeha hidina izahay. Satria ralehilahy niteny taminay hoe: 'Tsy hahita ny tavako ianareo raha tsy miaraka amin'ny rahalahinareo.'"
6Hoy Israely hoe: "Nahoana ianareo no nampidi-doza ahy tamin'ny filazana ilay lehilahy fa manana rahalahy hafa ianareo?" Hoy izy ireo hoe: "Nanontany ny antsipirihany momba anay sy ny fianakavianay ralehilahy. 7Hoy izy hoe: "Mbola velona ve rainareo? Mbola manana rahalahy hafa ve ianareo?' Dia novalianay araka ireo fanontaniany ireo izy. Ahoana no hahafantaranay fa hiteny izy hoe: "Ento midina ny rahalahinareo?'"
8Hoy Joda tamin'i Israely rainy hoe: "Alefaso miaraka amiko ny zazalahy. Hiainga ka handeha izahay mba ho velona fa tsy ho faty isika, dia izahay sy ianao sy ireo zanakay ihany koa. 9Ho antoka ho azy aho. Hotazominao ho tompon'andraikitra aho. Raha tsy entiko miverina eo anoloanareo izy, dia aoka ho zakaiko mandrakizay ny tsiny. 10Fa raha tsy tara izahay, dia tena efa niverina teto fanindroany izahay."
11Hoy Israely rainy tamin'izy ireo hoe: "Raha izany, dia ataovy izao. Ataovy ao amin'ny kitaponao ny sasany amin'ireo vokatry ny tany tsara indrindra. Midina ary mitondrà fanomezana ho an-dralehilahy: balsama sy tantely, zava-manitra sy miora, voanjo sy amandy. 12Ataovy avo roa heny ny vola eo an-tananareo. Ny vola izay naverina tao amin'ny vavan'ny lasakanareo, dia ento miverina eny an-tananareo indray. Sao mantsy mba hadisoana ihany izany.
13Ento ihany koa ny rahalahinareo. Mitsangàna ary mandehana indray any amin-dralehilahy. 14Andriamanitra Tsitoha anie hanome famindram-po anareo eo anatrehan-dralehilahy, mba hanafahany ilay rahalahinareo hafa sy Benjamina ho aminao. Raha misaona ireo zanako aho, dia misaona." 15Nalain'ireo lehilahy niaraka tamin'i Benjamina ilay fanomezana, ary nitondra vola avo roa heny teny an-tanan'izy ireo. Lasa izy ireo ary niverina nidina tany Egypta ary niseho teo anoloan'i Josefa.
16Rehefa nahita an'i Bejamina niaraka tamin'izy ireo i Josefa, dia hoy izy tamin'ilay tompon'andraikitra mpampandroso tao an-tranony hoe: "Hampandrosoy ao an-trano ireo lehilahy, mamonoa biby iray ary karakarao izany, fa hiaraka hisako amiko izy ireo rehefa mitatao vovonana." 17Nataon'ireo mpanompo izay nolazain'i Josefa. Noentiny tao an-tranon'i Josefa ireo lehilahy.
18Natahotra ireo lehilahy satria nentina tao an-tranon'i Josefa izy ireo. Hoy izy ireo hoe: "Noho ilay vola naverina tao anaty lasakantsika tamin'ny voalohany nampidirana antsika tato, mba hahafahany manararotra antsika. Mety hisambotra antsika sy hanandevo antsika izy ary haka ireo ampondrantsika." 19Nanatona an'ilay mpanompon'i Josefa izy ireo, ary niresaka taminy teo am-baravarana, nanao hoe: 20"Tompoko, tonga nidina taty izahay tamin'ny voalohany mba hividy sakafo.
21Ary nony tonga teo amin'ny toeram-pitsaharana izahay, ka nanokatra ireo lasakanay, dia indro, samy tao ambavan'ny lasakan'ireo lehilahy ny volany, tsisy nanimbinana ny volanay. Naverinay ary ety am-pelan-tananay izany. 22Nitondra vola nidina hafa ihany koa izahay hividianana sakafo. Tsy fantatray izay namerina ny volanay tao anaty lasakanay." 23Hoy ilay mpanompo hoe: "Fiadanana anie ho anareo, aza matahotra. Ny Andriamanitrareo sy ny Andriamanitry ny rainareo no nametraka ny volanareo tao anaty lasakanareo. Efa noraisiko ny volanareo."Dia nentin'ilay mpanompo teo amin'i Simeona izy ireo.
24Nampandroson'ilay mpanompo tao an-tranon'i Josefa ireo lehilahy. Nomeny rano izy ireo, ka nanasa ny tongony izy ireo. Ary nomeny sakafo ny ampondran'izy ireo.25Dia nanomana ireo fanomezana amin'ny fiavian'i Josefa amin'ny mitatao vovonana izy ireo, satria ren'izy ireo fa hisakafo ao iz.
26Nohon'ny tonga tao an-tranony i Josefa, dia nentin' izy ireo tao an-trano ny fanomezana teny an-tanan'izy ireo, ary niankohoka tamin'ny tany teo anoloany izy ireo. 27Nanontany azy ireo momban'ny fahasalamany izy ireo izy, ka nanao hoe: "Salama ve ny rainareo, ilay lehilahy antitra noresahinareo iny? Mbola velona ve izy?"
28Hoy izy ireo hoe: "Salama ny mpanomponao izay rainay. Mbola velona izy. Niondrika sy nihankohoka izy ireo. 29Raha nanopy ny masony izy dia naita an'i Bejamina rahalahiny, izay zanaky ny reniny, ary hoy izy hoe: "Inty ve ilay faralahinareo izay noresahinareo tamiko?" Dia hoy izy hoe: "Andriamanitra anie hitahy anao, ry zanako."
30Nivoaka haingana tao an'efitra i Josefa, satria nientanentana mafy noho ireo rahalahiny izy. Nitady toerana hitomaniana izy. Niditra tao an'efitrany izy ary nitomany tao. 31Nosasany ny tavany dia nivoka izy. Nanindry fo izy, niteny hoe: "Arosoy ny sakafo."
32Nomen'ireo mpanompo an'i Josefa ny anjarany sy ny anjaran'ireo rahalahiny. Niara-nihinana taminy ireo Egyptiana tao satria ny Egyptiana tsy mahazo mihinana mofo miaraka amin'ny Hebreo, satria zavatra maharikoriko eo amin'ireo Egyptiana izany. 33Nipetraka teo anoloany ireo rahalahy, ny lahimatoa araka ny fizokiany, ary ny zandriny indrindra araka ny hatanorany. Talanjona izy ireo lehilahy. 34Nomen'i Josefa anjara tamin'ny sakafo teo anoloany izy ireo. Nefa ny anjaran'i Benjamina dia indimy mihoatra noho ny an'ireo rahalahiny. Nisotro izy ireo ary faly niaraka taminy.

44

1Nandidy ny mpikarakara ny tranony Josefa, nanao hoe: "Fenoy sakafo ny lasakan'ireo lehilahy ireo, araka izay zakan'izy ireo, ary apetraho ao anatin'ny lasakany ny volan'ireo lehilahy rehetra. 2Apetraho ao amin'ny vava lasakan'ny zandriny indrindra, ny kapoakako, ilay kapoaka volafotsy, sy ny volany tamin'ny vary." Ary nataon'ilay mpikarakara izay nolazain'i Josefa.

3Niposaka ny maraina, ary nalefa ireo lehilahy ireo, izy ireo sy ny borikiny. 4Rehefa nivoaka ny tanàna izy ireo nefa mbola tsy lasa lavitra akory, dia nilaza tamin'ny mpikarakarany i Josefa hoe: "Mifohaza, manaraha ireo lehilahy ireo, ary rehefa tratranao izy ireo, dia lazao izy ireo hoe: "Nahoana ianareo no mamaly ratsy ny soa? 5Moa ve tsy ilay kapoaka isotroan'ny tompoko ity, sy ilay kapoaka izay hampiasainy amin'ny faminaniany? Nanao ratsy ianareo, izany zavatra izay nataonareo izany.'"
6Nahatratra azy ireo ilay mpiandraikitra ny fampandrosoana ary niteny ireo teny ireo. 7Izy ireo nilaza taminy hoe: "Nahoana no miteny toy ireo ny tompoko? Sanatria amin'ireo mpanomponao no hanaovan'izy ireo zavatra toy izany.
8Indro, ilay vola izay hitanay tao amin'ny vavan'ny lasakanay, nentinay niverina aty aminao indray avy amin'ny tany Kanana. Ahoana no afahanay mangalatra volafotsy na volamena ao amin'ny tranon'ny tomponao? 9Izay ahitana an'izany amin'ireo mpanomponao, aoka izy ho faty, ary izahay ihany koa dia ho andevon'ny tompoko." 10Ilay mpikarakara niteny hoe: "Aoka ary ho araka ny teninareo izany. Ilay iray izay hahitana ilay kaopy dia ho andevoko, ary ianareo hafa kosa dia ho afaka."
11Avy eo dia nandeha haingana ny lehilahy tsirairay ka nametraka ny lasakany tamin'ny tany, ary samy nanokatra ny lasakany avy. 12Nitady ilay tompon'andraikitra amin'ny fampandrosoana. Natombony tamin'ny lehibe indrindra ary nofaranany tamin'ny tanora indrindra, ka hita tao amin'ny lasakan'i Benjamina ilay kapoaka. 13Ary nandriatra ny akanjony izy ireo. Samy nitaingina ny ampondrany ny lehilahy tsirairay ary niverina tany amin'ilay tanàna.
14Nandeha tany amin'ny tranon'i Josefa i Joda sy ireo rahalahiny. Mbola tany izy, ka niankohoka teo anatrehany tamin'ny tany izy ireo. 15Hoy Josefa tamin'izy ireo hoe: "Inona izao nataonareo izao? Moa ve tsy fantatrareo fa ny lehilahy tahaka ahy dia manao faminaniana?"
16Nilaza Joda hoe: "Inona no afaka lazainay amin'ny tompoko? Inona no azonay lazaina? Ahoana no afahanay manamarina ny tenanay? Hitan'Andriamanitra ny helok'ireo mpanomponao. Indro, andevon'ny tompoko izahay, izahay sy izy dia nahitana ny kapoaka teny an-tanany." 17Hoy Josefa hoe: "Sanatria amiko ny tsy maintsy hanao izany. Ilay lehilahy izay nahitana ny kapoaka teny an-tanany, dia ho andevoko, fa ianareo hafa kosa, hiakatra am-piadanana ho any amin'ny rainareo."
18Avy eo dia nanatona akaiky azy i Joda ka nilaza hoe: "Ry tompoko, avelao re hiresaka teny iray eo an-tsofin'ny tompoko ny mpanomponao, ary aoka ny fahatezeranao hirehitra amin'ny mpanomponao, fa ianao dia tahaka an'i Farao. 19Nanontany ireo mpanompony ny tompoko, niteny hoe: 'Moa ve ianao manana ray na rahalahy iray?'
20Hoy izahay tamin'ny tomponay hoe: 'Manana ray izahay, lehilahy antitra, ary zanaka iray tamin'ny fahanterany. Fa ny rahalahiny dia efa maty, ary izy irery no tavela tamin'ny reniny, ary ny rainy tia azy.' 21Avy eo nilaza tamin'ireo mpanomponao ianao hoe: 'Ento midina eto amiko izy mba hafahako mahita azy.' 22Tao aorian'izany, dia nilaza tamin'ny tompoko izahay hoe: "Tsy afaka hamela ny rainy ilay zazalahy. Fa raha mamela ny rainy izy dia ho faty ny rainy.'
23Ary ianao nilaza tamin'ireo mpanomponao hoe: 'Raha tsy midina miaraka aminao ny rahalahinao zandriny indrindra, dia tsy hahita ny tavako intsony ianao.' 24Ary indro tonga izany rehefa niakatra nankany amin'ny raiko mpanomponao izahay, nolazainay taminy ireo tenin'ny tompoko. 25Hoy ny rainay hoe: "Mandehana indray, mividiana sakafo ho antsika.' 26Avy eo dia nilaza izahay hoe: 'Tsy afaka midina izahay. Raha miaraka aminay ny rahalahinay zandriny indrindra, dia hidina izahay, satria tsy afaka ny hahita ny tavan'ilay lehilahy izahay raha tsy miaraka amin'ny rahalahinay zandriny indrindra.'
27Ny mpanomponao ry tompoko no niteny taminay hoe: 'Fantatrareo fa niteraka roa lahy tamiko ny vadiko. 28Ny iray tamin'izy ireo dia niala tamiko ary hoy aho hoe: "Azo antoka fa voaviravira izy, ary tsy nahita azy aho hatramin'izao." 29Izao raha maka ilay iray aty amiko koa ianareo, ka loza no tonga eo aminy, dia hampihintsana ny volon-dohako amin'ny alahelo mankany amin'ny Fiainan-tsy hita ianareo.'
30Ary, noho izany, rehefa tonga any amin'ilay mpanomponao aho, ary tsy miaraka aminay ilay zazalahy, satria mifamatotra amin'ny ain'ilay zazalahy ny ainy, 31fa ho tonga izany, rehefa hitany fa tsy miaraka aminay ilay zazalahy, dia ho faty izy. Ireo mpanomponao dia hampihintsana ny volo fotsin'ny raiko mpanomponao miaraka amin'ny alahelo mankany amin'ny Fiainan-tsy hita. 32Satria ny mpanomponao dia efa lasa antoka ho an'ilay zazalahy amin'ny raiko ary nilaza hoe: "Raha tsy mitondra azy eo anatrehanao aho, dia hitondra heloka eo amin'ny raiko mandrakizay aho.'
33Ary noho izany, avelao re ny mpanomponao hijanona ho solon'ilay zazalahy tahaka ny andevon'ny tompoko, ary avelao ilay zazalahy hiakatra hiaraka amin'ireo rahalahiny. 34Fa amin'ny fomba ahoana no hiakarako any amin'ny raiko raha tsy miaraka amiko ilay zazalahy? Matahotra ny hahita ilay ratsy izay ho tonga eo amin'ny raiko aho."

45

1Ary Josefa tsy nahafehy ny fihetseham-pony teo anoloan'ireo mpanompo izay nitsangana teo anilany. Niteny mafy izy hoe: "Tsy maintsy mandao ahy ny rehetra." Ka dia tsy nisy mpanompo nijoro teo aminy rehefa nampahafantatra ny tenany tamin'ireo rahalahiny i Josefa. 2Nitomany mafy izy, ka ren'ireo Egyptiana izany, ary ren'ireo tao an-tranon'i Farao. 3Hoy Josefa tamin'ireo rahalahiny hoe: "Izaho no Josefa. Mbola velona ve ny raiko?" Tsy nahavaly azy ireo rahalahiny, satria tohina teo anatrehany izy ireo.

4Avy eo Josefa niteny tamin'ireo rahalahiny hoe: "Manatona akaiky ahy, azafady." Dia nanatona akaiky izy ireo. Hoy izy hoe: "Izaho no Josefa rahalahinareo, izay namidinareo tany Egypta. 5Aza malahelo na tezitra amin'ny tenanareo ny amin'ny namarotanareo ahy taty, satria Andriamanitra no nandefa ahy mialoha anareo mba hiarovana ny ainareo. 6Satria teto amin'ity tany ity ny mosary nandritr'izay roa taona izay, ary mbola hisy dimy taona izay tsy hisy na fiasana tany na fijinjana.
7Andriamanitra naniraka ahy hialoha anareo mba hitahiry anareo ho sisa eto an-tany ary hitazona anareo ho velona amin'ny fanafahana lehibe. 8Ary noho izany tsy ianareo no nandefa ahy taty fa Andriamanitra, ary izy nanao ahy ho rain'i Farao, tompon'ny tranony rehetra, sy mpanapaka ny tany rehetra manerana an'i Egypta.
9Faingàna ary miakara any amin'ny raiko ka lazao aminy hoe: 'Izao no ambaran'i Josefa zanakao: "Nataon'Andriamanitra mpanapaka an'i Egypta iray manontolo aho. Midina aty amiko, ka aza mangatak'andro. 10Hipetraka amin'ny tanin'i Gosena ianao ary ho eo akaikiko, ianao sy ireo zanakao ary ireo zanaky ny zanakao, sy ireo ondry aman'osy ary ireo omby, sy ny fanananao rehetra. 11Hamatsy anareo aho, satria mbola haharitra dimy taona ny mosary, ka mba tsy ho tonga aminareo ny fahantrana, aminao, sy ny tokantranonao, ary izay anananao rehetra."'
12Indro, hitan'ny masonareo, sy ny mason'i Benjamina rahalahiko, fa ny vavako no miteny aminareo. 13Ho lazainareo amin'ny raiko ny momban'ny voninahitro aty Egypta sy ny zavatra rehetra izay hitan'ny masonareo. Mandehana faingana ianareo ary ento midina aty ny raiko."
14Namihina ny vozon'i Benjamina rahalahiny izy ka nitomany, ary Benjamina nitomany teo amin'ny vozony. 15Nanoroka ny rahalahiny rehetra izy ary nitomany teo amin'izy ireo. Tao aorian'izay dia niresaka taminy ireo rahalahiny.
16Ary nolazaina tao an-tranon'i Farao ny vaovao hoe: "Tonga ireo rahalahin'i Josefa." Nahafaly tanteraka an'i Farao sy ireo mpanompony izany. 17Hoy Farao tamin'i Josefa hoe: "Lazao amin'ireo rahalahinao hoe: 'Ataovy izao: ataingeno ny entana ho entin'ireo bibinareo ary mandehana any amin'ny tany Kanana. 18Ento ny rainareo sy ny tokantranonareo ary mankanesa aty amiko. Homeko anareo ny tsara eto amin'ny tanin'i Egypta, ary hihinana ny matavin'ny tany ianareo.'
19Ary omena didy ianareo hoe: 'Ataovy izao, makà kalesy amin'ny tany Egypta ho an'ny zanakareo sy ny vadinareo. Ento ny rainareo ka mankanesa aty. 20Aza miahiahy ny amin'ireo fanananareo, fa anareo izay tsara eto amin'ny tany rehetra manerana an'i Egypta.'"
21Koa dia nataon'ireo zanak'Israely izany. Nomen'i Josefa kalesy izy ireo araka ny nandidian'i Farao, ary nanome azy ireo vatsy ho entina eny an-dalana. 22Nomeny akanjo ho soloina izy rehetra, fa Benjamina kosa nomeny sekely volafotsy telonjato sy akanjo ho soloina dimy. 23Izao no nalefany ho an'ny rainy: boriky lahy folo nitondra ireo zava-tsoan'i Egypta; ary boriky vavy folo nitondra vary sy mofo, ary vatsy hafa ho an'ny rainy entina eny an-dalana.
24Dia nalefany ireo rahalahiny ka lasa izy ireo. Hoy izy tamin'izy ireo hoe: "Aza mifanditra eny an-dalana ianareo." 25Dia niakatra avy tao Egypta izy ireo ka tonga tany tamin'ny tany Kanana, ho any amin'i Jakoba rainy. 26Niteny taminy izy ireo hoe: "Mbola velona Josefa, ary mpanapaka ny tany Egypta iray manontolo izy." Niontana ny fony, satria tsy nino izay nolazain'izy ireo azy.
27Nolazain'izy ireo taminy ny teny rehetra nambaran'i Josefa azy ireo. Rehefa hitan'i Jakoba ny sarety izay nalefan'i Josefa mba hitondrana azy, dia velona indray ny fanahin'i Jakoba rain'izy ireo. 28Hoy Israely hoe: "Ampy izay. Mbola velona Josefa zanako. Handeha aho ary hijery azy mialohan'ny hafatesako."

46

1Niainga niaraka tamin'izay rehetra nananany Israely ary nankany Beri-sheba. Tao no nanolorany fanatitra ho an'i Andriamanitr'Isaka rainy. 2Niteny tamin'Israely tao anaty fahitana Andriamanitra ny alina, nanao hoe: "Jakoba, Jakoba." Hoy izy hoe: "Inty aho." 3Hoy Izy hoe: "Izaho no Andriamanitra, Andriamanitry ny rainao. Aza matahotra ny hidina ho any Egypta, fa hataoko firenena lehibe any ianao. 4Hiaraka aminao hidina ho any Egypta Aho, ary Izaho hitondra anao hiverina hiakatra tokoa ary ny tanan'i Josefa no hanirina ny masonao amin'ny tanany.

5Niarina tao Beri-sheba i Jakoba. Nitondra an'i Jakoba rainy, ireo zanany, sy ireo vadiny, tamin'ny kalesy izay nalefan'i Farao mba hitondrana azy ireo ny zanak'Israely. 6Nentin'izy ireo ny biby fiompiny sy ny fananan'izy ireo izay efa azony tao amin'ny tany Kanana. Niditra tao Egypta izy ireo, niaraka tamin'i Jakoba sy ireo taranany rehetra. 7Nentiny niaraka taminy tany Egypta ireo zanany lahy sy ireo zafiny lahy, ireo zanany vavy sy ireo zafiny vavy, ary ireo taranany rehetra.
8Ireto no anaran'ny zanak'Israely izay tonga tany Egypta, Jakoba sy ireo zanany: Robena, lahimatoan'i Jakoba; 9ireo zanaka lahin'i Robena i Hanoka sy Palo sy Hezrona ary Karmy; 10ireo zanak'i Simeona, dia i Jemoela, Jamina, Ohada, Jakina, Zohara, ary Saoly, ireo zanaka lahin'ilay vehivavy Kananita; 11ireo zanaka lahin'i Levy dia i Gersona, Kehata, Merary.
12Ireo zanaka lahin'i Joda: Era, Onana, Sela, Fareza, ary Zera (fa i Era sy Onana maty tany amin'ny tany Kanana). Ireo zanaka lahin'i Fazera dia i Hezrona sy Hamola. 13Ireo zanaka lahin'i Isakara dia i Tola, Pova, Joba, ary Simrona; 14Ireo zanaka lahin'i Zebolona dia Sereda, Elona, ary Jahalela. 15Ireo ny zanaka lahin'i Lea izay naterany tamin'i Jakoka tany Padana-Arama, mbamin'i Dina zanany vavy. Niisa telo amby telopolo ireo zanany lahy sy ireo zanany vavy.
16Ireo zanaka lahin'i Gada dia i Zifiona, Hagy, Sony, Ezbona, Ery, Aroda, ary Arely. 17Ireo zanaka lahin'i Asera dia Jimna, Jisva, Jisvy, ary Beria; ary i Sera no anabavin'izy ireo. Ireo zanaka lahin'i Beria dia Hebera sy Malkiela. 18Ireo no zanaka lahin'i Zilpa, izay nomen'i Labana an'i Lea zanaka vaviny. Ireo no zanany lahy naterany tamin'i Jakoba—enina ambin'ny folo no fitambarany.
19Ireo zanaka lahin'i Rahely vadin'i Jakoba dia Josefa sy Benjamina. 20Niteraka an'i Manase sy Efraima tamin'i Asenata, zanaka vavin'i Potifera mpisorona tao Ona i Josefa tany Egypta. 21Ireo zanaka lahin'i Benjamina dia i Bela, Bakera, Gera, Asbela, Gera, Namana, Ehy, Rosy, Mopima, Hopima ary Arda. 22Ireo no zanak'i Rahely naterany tamin'i Jakoba—efatra ambin'ny folo no fitambarany.
23Ny zanaka lahin'i Dana dia i Hosima. 24Ireo zanaka lahin'i Naftaly dia Jaziela, Gony, Jezera, ary Silema. 25Ireo no zanaka lahy naterak'i Jakoba tamin'i Bila, izay nomen'i Labana an'i Rahely zanany vavy—fito ny fitambarany.
26Ireo rehetra izay nankany Egypta niaraka tamin'i Jakoba, izay taranany, raha tsy isaina ireo vadin'ny zanany lahy, dia enina amby enimpolo ny fitambarany. 27Fitopolo ny fitambaran'ny fianakanaviany nankany Egypta, niaraka tamin'ny zanaka lahin'i Josefa anankiroa izay naterany tany Egypta.
28Nalefan'i Jakoba hialoha lalana azy mankany amin'i Josefa i Joda mba hanoro lalana azy ho any Gosena, ary dia tonga tany amin'ny tanin'i Gosena izy ireo. 29Nanomana ny kalesiny Josefa ary lasa niakatra nitsena an'Israely rainy. Nahita azy izy, namihina ny vozony, ary nitomany ela teo amin'ny vozony. 30Hoy Israely tamin'i Josefa hoe: "Aoka ho faty amin'izay aho, satria efa nahita ny tavanao, fa mbola velona ianao."
31Josefa niteny tamin'ireo rahalahiny sy ireo ankohonan-drainy hoe: "Hiakatra aho ary hilaza amin'i Farao, ka hiteny hoe: 'Efa tonga aty amiko ireo rahalahiko sy ireo fianakavian-draiko izay tany amin'ny tany Kanana. 32Mpiandry ondry ireo lehilahy ireo, satria mpikarakara biby fiompy izy ireo. Nentin'izy ireo ny ondry aman'osiny, ireo ombin'izy ireo, ary izay rehetra nananany.'
33Ary rehefa miantso anareo Farao ary manontany hoe: 'Inona no asanareo?' 34dia tokony hiteny ianareo fa: 'Ireo mpanomponao dia efa mpikarakara biby fiompy hatramin'ny fahazazanay ka hatramin'izao, dia izahay sy ny razanay.' Ataovy izany mba hafahanareo monina amin'ny tanin'i Gosena, satria fahavetavetana ho an'ny Egyptiana ny mpiandry ondry rehetra."

47

1Dia niditra Josefa ary niteny tamin'i Farao hoe: "Tonga avy any amin'ny tany Kanana ny raiko sy ireo rahalahiko, ireo andian'ondry, ny biby fiompy ary ny zavatra rehetra izay ananan'izy ireo. Indro, ao amin'ny tanin'i Gosena izy ireo." 2Ary naka dimy tamin'ireo rahalahiny i Josefa ka nampahafantatra azy ireo tamin'i Farao.

3Hoy Farao tamin'ireo rahalahiny hoe: "Inona no asanareo?" Hoy izy ireo tamin'i Farao hoe: "Mpiandry ondry ny mpanomponao, tahaka ireo razambenay ihany." 4Ary hoy indray izy ireo tamin'i Farao hoe: "Tonga ho mpivahiny fotoana fohy amin'ity tany ity izahay. Tsy misy ahitra ho an'ny biby fiompin'ny mpanomponao, satria mamaivay ny mosary any Kanana. Koa ankehitriny ary, mba avelao re ny mpanomponao hitoetra eo amin'ny tanin'i Gosena."
5Ary niresaka tamin'i Josefa i Farao, nanao hoe: "Tonga teto aminao ny rainao sy ny rahalahinao. 6Eo anoloanao ny tany Egypta. Ampitoero ao amin'ny faritra tsara indrindra ny rainao sy ireo rahalahinao, dia ny tanin'i Gosena. Raha mahafantatra olona mahay amin'izy ireo ianao, dia ampitantano ny biby fiompiko ireo."
7Avy eo dia nentin'i Josefa niditra i Jakoba ary nampahafantariny tamin'i Farao. Nitso-drano an'i Farao i Jakoba. 8Hoy Farao tamin'i Jakoba hoe: "Hafiriana izay no nahavelomanao?" 9Jakoba niteny tamin'i Farao hoe: "Telopolo amby zato izay no taonan'ny diako. Vitsy ary nangirifiry ny androm-piainako. Tsy mba lava tahaka ny an'ny razako ireo." 10Ary nitso-drano an'i Farao i Jakoba ka nivoaka niala teo amin'ny fanatrehany.
11Taorian'izany dia nampitoetra ny rainy sy ireo rahalahiny i Josefa. Nanome fari-tany ho azy ireo tao amin'ny tany Egypta izy, izay tany tsara indrindra, tao amin'ny tanin'i Ramesesa, araka ny nandidian'i Farao. 12Nanome sakafo ho an-drainy, sy ireo rahalahiny, ary ny ankohonan-drainy rehetra i Josefa, araka ny isan'ny zanany avy.
13Ary tsy nisy sakafo teo amin'ny tany rehetra; satria namaivay ny mosary. Simba ny tany Egypta sy Kanana nohon'ny mosary. 14Nangonin'i Josefa tamin'ny alalan'ny fivarotana vary tamin'ireo mponina avokoa ny vola rehetra teo amin'ny tany Egypta sy ny tany Kanana. Avy eo dia nentin'i Josefa tao an-dapan'i Farao ny vola.
15Rehefa lany avokoa ny volan'ny tany Egypta sy tany Kanana, dia nankeo amin'i Josefa avokoa ny Egyptiana rehetra nanao hoe: "Omeo hanina izahay! Nahoana izahay no dia ho faty eto anatrehanao satria lany ny volanay?" 16Hoy Josefa hoe: "Raha lany ny volanareo, dia ento aty ny biby fiompinareo ary hanome hanina ho anareo aho ho solon'ny biby fiompinareo." 17Koa dia nentin'izy ireo teo amin'i Josefa ny biby fiompin'izy ireo. Nomen'i Josefa hanina izy ireo ho takalon'ny soavaly, ny omby, ny ondry, ary ireo ampondra. Novokisany mofo izy ireo ho takalon'ny biby fiompiny tamin'izay taona izany.
18Rehefa tapitra izany taona izany, dia tonga teo aminy indray izy ireo ny taona manaraka ary niteny hoe: "Tsy anafina amin'ny tomponay izahay fa lany tanteraka ny volanay, ary ny andian'ny biby fiompinay dia efa an'ny tomponay. Tsy misy na inona na inona tavela eo imason'ny tomponay, afa-tsy ny tenanay sy ny taninay. 19Nahoana izahay no ho faty eo imasonao, izahay sy amin'ny taninay? Vidio izahay sy ny taninay ho takalon-kanina, ka ho mpanompon'i Farao izahay sy ny taninay. Mba omeo voa izahay mba ho velona fa tsy ho faty, ary mba tsy ho lao ny taninay."
20Koa dia novidian'i Josefa ho an'i Farao ny tan'ny Egypta manontolo, satria nivarotra ny taniny avokoa ny Egyptiana rehetra fa namaivay tokoa ny mosary. Tamin'izay dia lasan'i Farao ny tany. 21Raha ny amin'ny vahoaka, dia nataony andevo tany amin'ny ilan'ny sisin-tanin'i Egypta iray ka hatrany amin'ny ilany hafa izy ireo. 22Ny tanin'ny mpisorona no hany tsy novidian'i Josefa, satria nomena tombony ireo mpisorona. Nihinana tamin'ny anjara nomen'i Farao azy izy ireo. Noho izany dia tsy nivarotra ny taniny izy ireo.
23Ary hoy Josefa tamin'ny vahoaka hoe: "Indro, efa novidiako ho an'i Farao ianareo sy ny taninareo anio. Ary ity misy voa ho anareo, dia hamboly eo amin'ny tany ianareo. 24Amin'ny fijinjana, dia tsy maintsy manome ny ampaha-diminy ho an'i Farao ianareo, ary ny ampahany efatra ho anareo manokana, mba ho masom-boly ho an'ny tany ary mba ho sakafo ho an'ny ankohonanareo sy ny zanakareo."
25Ary hoy izy ireo hoe: "Nanavotra ny ainay ianao. Enga anie ka hahita fitia eo imasonao izahay. Ho mpanompon'i Farao izahay." 26Koa dia nataon'i Josefa didy nihatra teo amin'ny tany Egypta izany hatramin'izao andro izao, fa ny iray ampaha-diminy dia an'i Farao. Ny tanin'ny mpisorona ihany no tsy lasan'i Farao.
27Koa nipetraka tany amin'ny tany Egypta, tao amin'ny tanin'i Gosena i Israely. Nahazo fananana tany ny vahoakany. Namokatra be izy ireo ary nitombo isa fatratra. 28Nitoetra tany amin'ny tany Egypta fito ambin'ny folo taona i Jakoba, ka fito amby efapolo amby zato taona ny androm-piainany.
29Rehefa akaiky ny fotoana hahafatesan'Israely, dia niantso an'i Josefa zanany izy ary nanao taminy hoe: "Raha nahita fitia teo imasonao aho, dia apetraho eo ambanin'ny feko ny tananao, ary anehoy fahatokiana sy fahamendreham-pitokisana aho. Aza mba halevina eto Egypta re aho. 30Rehefa mody mandry miaraka amin'ireo razako aho, dia hoentinao mivoaka an'i Egypta ary halevinao any amin'ny fasan'ny razambeko." Hoy Josefa hoe: "Hanao araka izay nolazainao aho." 31Hoy Israely hoe: "Mianiana amiko," ary nianiana taminy i Josefa. Avy eo dia niankohoka teo an-doham-pandriany Israely.

48

1Ary tao aorian'izany zavatra izany, dia nisy nilaza tamin'i Josefa hoe: "Indro, marary rainao." Dia nentiny niaraka taminy ny zanany mirahalahy, Manase sy Efraima. 2Rehefa nilazana Jakoba hoe: "Indro, Josefa zanakao lahy tonga mba hijery anao," dia nanangona hery Israely ka niarina nipetraka teo am-pandriana.

3Hoy Jakoba tamin'i Josefa hoe: "Andriamanitra Tsitoha efa niseho tamiko tany Lozy tany amin'ny tany Kanana. Nitso-drano ahy Izy 4ka nanao tamiko hoe: 'Indro, hampamokatra, sy hahamaro anao Aho. Hahatonga firenena maro avy aminao Aho. Dia homeko ny taranakao ity tany ity ho fananana mandrakizay.'
5Ary ireo zanakao mirahalahy, izay teraka ho anao teto Egypta talohan'ny nanatonako anao ho eto Egypta, dia ahy. Efraima sy Manase dia ho ahy, tahaka ny maha ahy an'i Robena sy Simeona. 6Ny zaza teraka aorian'izy ireo no ho anao; ho tanisain'izy ireo ny anaran'ireo rahalahiny araka ny lovan'izy ireo. 7Ary izaho, fony aho avy any Padana-Arama, dia maty teo anatrehako teny an-dalana tany amin'ny tany Kanana i Rahely, raha kely sisa no tsy nahatongavanay tao Efrata. Naleviko teny an-dalana ho any Efrata izy" (izay atao hoe, Betlehema).
8Koa rehefa hitan'i Israely ireo zanak'i Josefa, dia hoy izy hoe: "An'iza moa ireto?" 9Dia hoy Josefa tamin-drainy hoe: "Zanako ireo, izay nomen'Andriamanitra ahy taty." Dia hoy Israely hoe: "Ento mankaty amiko izy ireo, mba hitsofako rano azy." 10Ary efa nanjavona ny mason'i Israely nohon'ny fahanterany, ka tsy afaka mahita izy. Dia nampanatonin'i Josefa azy izy ireo noho izany, ka nanoroka sy namihina azy ireo izy.
11Hoy Israely tamin'i Josefa hoe: "Tsy nanantena ny hahita ny tavanao indray aho, nefa navelan' Andriamanitra ho hitako na dia ny zanakao aza." 12Dia nesorin'i Josefa teo anelanelan'ny lohalik'i Israely izy ireo, ary niankohoka tamin'ny tany izy. 13Dia nalain'i Josefa izy mirahalahy, Efraima teo an-tanan-kavanany ho eo an-tanan-kavian'i Israely, ary Manase teo an-tanan-kaviany manatrika ny an-tanan-kavanan'i Israely, ka nitondra azy ireo mba hanakaiky azy.
14Dia natsotran'i Israely ny tanany havanana ka napetrany teo ambonin'ny lohan'i Efraima, ilay zandriny, ary ny tanany havia teo ambonin'ny lohan'i Manase. Nampifamadihany ny tanany, satria Manase no lahimatoa. 15Dia nitso-drano an'i Josefa i Israely, ka nanao hoe: "Ilay Andriamanitra izay nandeha teo alohan'i Abrahama sy Isaka, ilay Andriamanitra izay niahy ahy mandrak'ankehitriny, 16ilay anjely izay niaro ahy tamin'ny ratsy rehetra anie, hitahy ireto zaza lahy ireto. Ho tononina ao amin'izy ireo anie ny anarako, ary ny anaran'i Abrahama sy Isaka razako. Hihamaro eto an-tany anie izy ireo."
17Koa rehefa hitan'i Josefa fa napetraky ny rainy teo amin'ny lohan'i Efraima ny tanany an-kavanana, dia tsy nankasitraka izany izy. Dia nesoriny tsy ho eo amin'ny lohan'i Efraima ny tanan'ny rainy ka nafinfrany teo ambonin'ny lohan'i Manase. 18Dia hoy Josefa tamin'ny rainy hoe: "Tsy izao no izy, ry raiko; fa ity no lahimatoa. Apetraho eo ambonin'ny lohany ny tananao an-kavanana."
19Dia nandà ny rainy ka nanao hoe: "Fantatro, ry zanako, fantatro. Ho tonga firenena, sy ho tonga lehibe ihany koa izy. Ary ny zandriny koa dia ho lehibe noho izy, ary ho tonga firenena maro ny taranany." 20Izao teny izao no nitsofan'i Israely rano azy ireo tamin'izany andro izany: "Amin'ny anaranareo no hanononan'ny vahoakan'i Israely fitahiana hanao hoe: 'Andriamanitra anie hahatonga anareo tahaka an'i Efraima sy Manase.'" Izany no fomba, nametrahan'i Israely an'i Efraima ho eo alohan'i Manase.
21Hoy Israely tamin'i Josefa hoe: "Indro, efa ho faty aho, nefa Andriamanitra homba anao, ary hitondra anao hiverina any amin'ny tanin'ireo razanao. 22Ho anao, izay ambony noho ireo rahalahinao, dia omeko anao ny zaratany izay nalaiko tamin'ny Amorita tamin'ny sabatro sy ny tsipikako."

49

1Avy eo nampiantso ireo zanany lahy Jakoba, ary niteny hoe: "Miangona ianareo, mba hafahako milaza aminareo izay hitranga aminareo amin'ny ho avy. 2Mivoria ary mihainoa, ianareo ry zanaka lahin'i Jakoba. Mihainoa an'i Israely, rainareo.

3Ry Robena, ianao no lahimatoako, ny maheriko, ary ny fiandohan'ny heriko, miavaka amin'ny fahamendrehana, ary miavaka amin'ny fahefana. 4Tsy voafehy toy ny rano mandeha mafy, no tsy hahazo ny lohany ianao, satria niakatra teo amin'ny fandrian'ny rainao ianao. Avy eo nandoto izany ianao; niakatra teo amin'ny fandriako ianao.
5Simeona sy Levy dia mpirahalahy. Ireo fitaovam-piadian'ny herisetra no sabatr'izy ireo. 6Ry fanahiko, aza miditra ao amin'ireo filan-kevitr'izy ireo; aza miditra ao amin'ny fivorian'izy ireo, fa ny foko be voninahitra loatra raha ho an'izany. Fa tao anatin'ny hatezeran'izy ireo no namonoany olona. Ho fahafinaretana no nitraingoin'izy ireo omby.
7Aoka hozonina ny hatezeran'izy ireo, fa nasiaka izany—ary ny faharomotan'izy ireo, fa loza be izany. Hizara azy ireo any amin'i Jakoba aho ary hampiely azy ireo any amin'i Israely.
8Ry Joda, hidera anao ireo rahalahinao. Ho eo am-bozon'ireo fahavalonao ny tananao. Hiankohoka eo alohanao ireo zanaka lahin'ny rainao.
9Joda dia zana-diona. Ry zanako lahy, niakatra tamin'ireo fandresenao ianao. Dia niondrika izy, nitampify toy ny liona, toy ny liona vavy. Iza no hahasahy hamoha azy?
10Ny tehim-panjakana dia tsy hiala eo amin'i Joda, na ireo tehin'ireo mpanapaka eo anelanelan'ny tongony, mandra-pahatongan'i Silo. Hankatoa azy ireo firenena.
11Namatotra ny ampondrany teo amin'ny voaloboka, ary ny zana-birikiny teo amin'ny voaloboka voasafidy, dia nanasa ireo fitafiany tao anatin'ny divay izy, ary ny akanjo lavany tao anatin'ny ràm-boaloboka. 12Ho mainty toy ny divay ireo masony, ary ho fotsy toy ny ronono ireo nifiny.
13Hipetraka eo amoron-dranomasina i Zebolona. Ho seranan'ireo sambo izy, ary hihitatra any Sidona ny fari-taniny.
14Isakara dia ampondra matanjaka, mandry anelanelan'ireo valan'ondry. 15Mahita toerana fialan-tsasatra tsara sy tany mahafinaritra izy. Hanondrika ny sorony ho amin'ny enta-mavesatra izy ary ho lasa mpanompo ho an'ny asa.
16Hitsara ny vahoakany toy ny iray amin'ireo fokon'i Israely i Dana. 17Ho bibilava akaikin'ny lalana i Dana, bibilava misy poizina eo amin'ny lalana izay manaikitra ireo ombelahin-tongotry ny soavaly, ka mianjera ny mpitaingina izany. 18Miandry ny famonjenao aho, ry Yaveh.
19Gada—hanafika azy ny andiany, fa hanafika azy ireo eo amin'ny ombelahin-tongon'izy ireo izy. 20Ho tsara ny sakafon'i Asera, ary hamatsy hanim-py ny mpanjaka izy. 21Naftaly dia diera vavy novahana, hanana biby tsara tarehy izy.
22Josefa dia sampam-bokatra, sampam-bokatra akaiky lohataona, izay ny sampany dia mananika mihoatry ny fefy. 23Ireo mpandefa tsipika dia hanafika azy ary hitifitra azy sy hampijaly azy.
24Fa ny tsipikany dia hijanona hateza, ary ireo tanany dia hahay hanao noho ny tanan'ilay Maherin'i Jakoba, noho ny anaran'ny Mpiandry ondry, ny Vatolampin'i Israely.
25Ny Andriamanitry ny rainao dia hanampy anao ary ny Andriamanitra Tsitoha hitahy anao amin'ireo fitahian'ny lanitra ambony, ireo fitahian'ny lalina izay nandry ambany, ary ireo fitahian'ny tratra sy kibo.
26Ireo tso-dranon'ny rainao dia lehibe noho ireo fitahian'ireo tendrombohitra taloha na ireo zavatra irian'ireo havoana taloha. Ho eo an-dohan'i Josefa anie ireo, dia eo amin'ny satro-boninahitry ny lohan'ny printsin'ireo rahalahiny mihintsy.
27Benjamina dia amboadia noana. Amin'ny maraina dia handrapaka ny haza izy, ary amin'ny hariva dia hizara ny voaroba izy."
28Ireo no foko roa ambin'ny folon'i Israely. Izany no nolazain'ny rainy tamin'izy ireo rehefa nitso-drano azy ireo izy. Ny tsirairay avy dia notsofina rano tamin'ny fitsofan-drano mifanaraka avy. 29Dia nandidy azy ireo izy ary nanao tamin'izy ireo hoe: "Efa andeha any amin'ny vahoakako aho. Aleveno miaraka amin'ireo razam-beko ao am-pasana izay ao amin'ny sahan'i Efrona Hetita aho, 30ao amin'ny fasana izay ao amin'ny sahan'i Makpela, izay akaikin'i Mamre ao amin'ny tany Kanàna, ny saha izay novidian'i Abrahama ho toerana fandevenana tany amin'i Efrona Hetita.
31Tao no nandevenan'izy ireo an'i Abrahama sy Saraha vadiny; tao no nandevenan'izy ireo an'Isaka sy Rebeka vadiny; ary tao no nandevenako an'i Lea. 32Ny saha sy ny fasana izay tao anatin'izany dia novidiana tamin'ireo vahoakan'i Heta. 33Rehefa vitan'i Jakoba tamin'ireo zanany izany didy izany, dia namonkina ny tongony ho eny am-pandriana izy, dia niala aina, ary nandeha nankany amin'ny olony.

50

1Ary nalahelo mafy Josefa ka dia nihohoka teo amin'ny tavan'ny rainy, sy nitomany teo aminy, ary nanoroka azy izy. 2Nandidy ireo mpitsabo mpanompony i Josefa mba hanositra zava-manitra ny rainy. Ary dia nosoran'ireo mpitsabo zava-manitra i Israely. 3Naka efapolo andro izy ireo, fa izany no fetr'andron'ny fanosorana. Nitomany azy nandritry ny fitopolo andro ireo Egyptian.

4Rehefa tapitra ny andro fisaonana, dia niresaka tamin'ny tao an-tranon'i Farao i Josefa niteny hoe: "Raha mba efa nahita sitraka teo imasonareo aho, dia mba lazao re Farao hoe:5'Efa nampianiana ahy ny raiko, niteny hoe: "Indro, efa ho faty aho. Haleveno ao amin'ny fasana izay efa nohadiko ho ahy any amin'ny tany Kanana aho. Any no handevenanao ahy." Ankehitriny avelao aho hiakatra ary handevina ny raiko, ary hiverina aho avy eo.'" 6Farao namaly hoe: "Mandehana ary haleveno ny rainao, araka ny nampianianany anao."
7Niakatra handevina ny rainy Josefa. Niaraka nandeha taminy ireo mpanapak'i Farao rehetra— ireo olona ambony tao an-dapany, ary ireo lehiben'ny mpanapaka rehetra tao amin'ny tany Egypta, 8mbamin'ireo ankohonan'i Josefa sy ireo rahalahiny rehetra, ary ny ankohonan-drainy. Fa ireo zanany, ireo ondry aman'osy, ary ny ombin'izy ireo kosa no navela tao amin'ny tany Gosena. 9Niaraka taminy ihany koa ireo kalesy sy ireo mpitaingin-tsoavaly. Dia vahoaka maro be izany.
10Rehefa tonga teo amin'ny famoloanan'i Goren-atada ampitan'i Jordana izy ireo, dia nisaona mafy sy tamin'ny fahoriana lehibe izy ireo. Nanao fisaonana fito andro ho an'ny rainy teo Josefa. 11Nony hitan'ireo mponin'ny tany, Kananita, ny fisaonana teo amin'ny famoloanan'i Goren-atada, dia hoy izy ireo hoe: "Fotoana tena mampalahelo ho an'ireo Egyptiana izao." Izany no nahatonga ny toerana nantsoina hoe Abela-Mizraima, izay ao an-dafin'i Jordana.
12Ary dia nataon'ireo zanany lahy tamin'i Jakoba araka izay nandidiany azy ireo.13Nolanjain'ireo zanany lahy nankany amin'ny tany Kanana izy ary nalevin'izy ireo tao an-dava-bato tao amin'ny sahan'i Makpela, akaikin'i Mamre. Novidian'i Abrahama ho toerana fandevenana ny lava-bato mbamin'ny saha. Novidiany tamin'i Efrona Hetita izany.14Rehefa voaleviny ny rainy, dia niverina tany Egypta i Josefa, izy, sy ireo rahalahiny, ary ireo rehetra izay niaraka taminy mba handevina ny rainy.
15Rehefa hitan'ireo rahalahin'i Josefa fa maty ny rain'izy ireo, dia hoy izy ireo hoe: "Ahoana raha mbola mitàna hatezerana amintsika Josefa ary te-hamaly antsika ny amin'izay ratsy rehetra nataontsika taminy?" 16Koa dia nandidy ny fanatrehan'i Josefa izy ireo, niteny hoe: "Efa nanome baiko ny rainao talohan'ny nahafatesany, niteny hoe: 17'Lazao amin'i Josefa izao: "Mamelà re ny fandikanan-dalàna sy ny fahotan'ireo rahahalahinao tamin'izay ratsy nataon'izy ireo taminao.'" Ankehitriny dia mamelà re ireo mpanompon'Andriamanitry ny rainao." Nitomany i Josefa rehefa niresaka taminy izy ireo.
18Nandeha ihany koa ireo rahalahiny ary nanohoka ny tavany teo anatrehany. Hoy izy ireo hoe: "Indreto, izahay mpanomponao." 19Fa Josefa namaly azy ireo hoe: "Aza matahotra. Moa eo amin'ny toeran' Andriamanitra ve aho? 20Fa ianareo, dia nihevitra ny hanao ratsy ahy, nefa Andriamanitra dia nihevitra izany ho amin'ny tsara, mba hiarovana ny ain'ny vahoaka maro, araka ny itanareo anio. 21Koa ankehitriny aza matahotra. Hamatsy anareo sy ny zaza madinikareo aho." Nampionona azy ireo toy izany izy ary niresaka tam-pitiavana tamin'ny fon'izy ireo.
22Nipetraka tany Egypta i Josefa, niaraka tamin'ny ankohonan-drainy. Niaina folo amby zato taona izy. 23Nahita ireo zanak'i Efraima hatramin'ny taranaka fahatelo i Josefa. Nahita ireo zanak'i Makira zanaka lahin'i Manase ihany koa izy, izay natsangan'i Josefa.
24Hoy Josefa tamin'ireo rahalahiny hoe: "Efa ho faty aho; fa ho tonga aminareo tokoa Andriamanitra ary hitarika anareo hiala eto amin'ity tany ity ho any amin'ny tany izay nianianany homena an'i Abrahama, Isaka, ary Jakoba." 25Ary Josefa nampianiana fianianana ny vahoakan'Israely. Hoy izy hoe: "Ho tonga aminareo tokoa Andriamanitra. Amin'izay fotoana izay dia tsy maintsy entinareo miala eto ny taolako." 26Ary dia maty Josefa, rehefa 110 taona. Nosoran'izy ireo zava-manitra ary napetraka tao anaty vata-paty tany Egypta izy.