Malagasy, Southern Betsimisaraka: Bible for 1 Thessalonians, 2 Thessalonians, Colossians, Galatians, James, Mark, Philippians, Romans

Formatted for Translators

©2022 Wycliffe Associates
Released under a Creative Commons Attribution-ShareAlike 4.0 International License.
Bible Text: The English Unlocked Literal Bible (ULB)
©2017 Wycliffe Associates
Available at https://bibleineverylanguage.org/translations
The English Unlocked Literal Bible is based on the unfoldingWord® Literal Text, CC BY-SA 4.0. The original work of the unfoldingWord® Literal Text is available at https://unfoldingword.bible/ult/.
The ULB is licensed under the Creative Commons Attribution-ShareAlike 4.0 International License.
Notes: English ULB Translation Notes
©2017 Wycliffe Associates
Available at https://bibleineverylanguage.org/translations
The English ULB Translation Notes is based on the unfoldingWord translationNotes, under CC BY-SA 4.0. The original unfoldingWord work is available at https://unfoldingword.bible/utn.
The ULB Notes is licensed under the Creative Commons Attribution-ShareAlike 4.0 International License.
To view a copy of the CC BY-SA 4.0 license visit http://creativecommons.org/licenses/by-sa/4.0/
Below is a human-readable summary of (and not a substitute for) the license.
You are free to:
The licensor cannot revoke these freedoms as long as you follow the license terms.
Under the following conditions:
Notices:
You do not have to comply with the license for elements of the material in the public domain or where your use is permitted by an applicable exception or limitation.
No warranties are given. The license may not give you all of the permissions necessary for your intended use. For example, other rights such as publicity, privacy, or moral rights may limit how you use the material.

Mark

Chapter 1

1Ity no fanomboan'ny filazantsaran'i Jesosy Kristy, ilay zanak'Andriamanitra. 2Araka zegny vôsoratra akô amin'Isaia mpaminagny hoe: "Indro, zaho zô magniraka ny Irako inga aloanô, ilay tokana agnamboatra ny lalanô. 3Misy fiô regny magnantso mafy any an-tany foagna hoe: "Atovy vognona ny lalan'ny Tompo; ataovy mahitsy ny lalana arainy'''.4Tonga Jaona, nagnano batisa tagny an-tany foagna ary nitory ny batisan'ny fibebahana ho famelan-keloka amin'ny fahotana. 5Ny tanin'i Jodia manontolo sy ny mponigna jiaby takô Jerosalema de tonga nagnatogna anazy. Natôny batisa tamin'ny reniranon'i Jordana zarô, rehefa nagneky ny fahotana. 6Jaona de nagnatô sikina volon-drameva, ary nagnatô fekibo oditra tamin'ny andilagny, ary valalagna sy tintely nirimbejina no rahanina anazy.7Nagnatoro izy hoe: "Misy reka ho avy afarako mbola mahery lavitra miôatra anaa, tsy tokony aho na de amaha ny tadin-kirarony aza. 8Zao nagnano batisa anarô tamin'ny rano, fa Izy koza agnano batisa anarô amin'ny fanahy masina".9Tamin'ny andro natongavan'i Jesosy avy takagne Nazareta agny Galilia no nitrangn'izany, ary natôn'i Jaona batisa takiô amin'ny renin-dranon'i Jordan Izy. 10Ra vô niboagna avy tagnatirano Jesosy, de hitany nisokatra ny lagnitra, ary nandrorogna takiô Amanazy kara voro-mailala ny fagnahy masina. 11Ary misy fiô avy tagny an-dagnitra nagnano hoe: "Anô ny zanako tsy foeko, anô no tiako."12Avy takiô de nindôny fanahy nandia tagny antany fogna Jesosy. 13Efapolo andro Izy no tagny antany foagna, de nalôny satana fagnay. Nipetraka niaraka tamin'ny bibidia Izy, ary nanompo Anazy ireo anjely.14Ary rehefa voasambotra Jaona, de tonga takô Galilia Jesosy nitory ny filazantsaran'Andriamanitra, 15ary nizaka hoe: "Efa tonga ny fotôna, ary efa marivo ny fanjakan'Andriamanitra. Mifonà de minoà ny filazantsara."16Rehefa nandia tagny amoron-dranomasin'i Galilia Izy, de nahita an'i Simona sy andrea tambokireka amin'i Simona nagnarato, satria mpagnarato ny asan-jarô. 17Hoy Jesosy taman-jarô hoe: "Andô magnaraka Anaa fa atôko mpagnarato olona ndreka andriô." 18Tiô tiô my de nagnombela ny aratony zarô ka nagnaraka Anajy.19Reefa nandia lavidavitra Jesosy, de nahita an'i Jakoba zanak'i Zebedeo sy Jaona tambokireka amanazy; zay takô andakana bitika nagnamboatra ny aratony. 20Nagnantso an-jarô Izy ka tonga de nilozany takô andakana bitika i Zebedio iabany niaraka taman-jarô mpikarama, ka nagnaraka Anajy zarô.21Avy takiô de tonga tô Kapernaomy zarô, ary tamin'ny andro Sabata, de niditra takô amin'ny Synagoga Jesosy ary nampianatra. 22Magnana tamin'ny fampenarany zarô, satria nampianatra anjarô kara olona managna fahefana Izy fa tsy karan-jarô mpitondra fanjakana.23Avy takiô de nisy lilay reka takiô amin'ny Synagogan-jarô izay nanagna fagnahy ratsy nibarara be, 24nagnano hoe: "Ino no ifandresane Aminô, ry Jesosy avy agny Nazareta"? Tonga amono ane ve Anô?Fantako my anô. Anô lay masin'Andriamanitra!" 25Nizaka mafy ny devoly Jesosy ka nagnano hoe: "Maregnina ka mivoa amanazy!" 26Ary ny fagnahy maloto de nandavo anazy sy nivoaka tamanazy ka nagnantso tamin'ny fiô mafy.27Magnana ny olona manontolo, ka nifagnadina zarô hoe: "Ino ty"? Fampenarana vôvô misy faefana? Bokeny na de ny fagnay ratsy aza de magneky Anazy!" 28Ny vôvô momba Anajy de efa miparitaka takegny amin'ny faritr'i Galilia manontolo.29Rehefa nande nivoakan'ny Synagoga, de tonga takô andragnon'i simona sy Andrea zarô, niaraka tamin'i Jakoba sy Jaona. 30Ary raofozam-bavin'i Simona nandry nararin-tazo, ka nizaken-jarô tamin'i Jesosy ny momba anazy. 31De nagnatogna Izy, de nandramby anazy tamin'ny tagnany, ary nagnarina anazy, de afaka ny tazony, ary nanomboka nanompo an-jarô izy.32Tamin'io folak'andro io, tampy afaty masoandro, de nindôn-jarô takiô amanajy izay narary jiaby na izay misy devoly. 33Tafavory niaraka takiô ambarangaragna takiô daolo ny takiô antanàna. 34Nagnasitrana olona maro zegny nararin'ny aretina samy hafa Izy ary nandroaka demonia maro, fa tsy nambelany nizaka ny demonia satria nafantatra Anazy zarô.35Nifoa mandregna be Izy, ra mbola mizigna ny andro; de niala takiô Izy de ninga tagny amin'ny toerana mangigna ary takiô Izy no nivavaka. 36Niaragna Anazy Simona sy zarô niaraka taminy. 37Nahita Anazy zarô ary nizaka tamin'ny hoe: "Miaragna anô ny olona jiaby".38Hoy Izy hoe: "Andô antsena inga antany afa, agny avelegny agny ama'ireo tanàna magnodidigna, mba afahako mitory teny agny koa. Fa zany no antony nivoako taty". 39De nitety ny Galilia manontolo Izy, nitoriteny tamin'ny Synagogan-jarô sady nandroaka demonia maro.40Nisy boka reka tonga takiô Aminy. Nitaregna tamanazy; nandoalika takiô Amanazy ary nizaka tamanazy hoe: "Raha tianô, de afaka magnadio anà Anô" 41Nalahelo anazy Izy, de nagnampatra ny tagnany Jesosy ary nikasika anazy, sady nagnano taminy hoe: "Sitrako. Madiova anô" 42Niala tamin'ny avetragny ny abokany, ary nadio izy.43Namepetra anazy mafy Jesosy ary nandefa anazy. 44Hoy Izy tamanazy hoe: "Tandremo sô izaka na man-jovy na man-jovy anô, fa mandianaa, asehoy amin'ny mpisorogna ny tegnanô, ary magnamboara fanatitra nony fagnadiovana anô araka ny nagnasan'i Mosesy, mba ho fijoroana vavolombelona ho anjarô".45Fa nivoaka izy ary nanomboka nizaka taman'olona jiaby sy nagnely be ny teny ka de tsy nasahy niditra nibaribary tamin'ny tanàna mantolo koza Jesosy. Ka nibodika tagny avelagny takagny amin'ny toerana mitokana Izy ary nagnatogna Anazy ny olona avy amin'ny toerana rehetra.

Chapter 2

1Rehefa nierigna takô Kapernaomy Izy rehefa afaka andro visivisy, de regny fa takô andragno Izy. 2Maro be ny olona nitangorogna tiô ka non'izany de tsy nisy toerana intsony, na de tiô ambarangaranga aza, ary nizaka raha taman-jarô Jesosyy.3De nisy lilay mompa mompagna nagnatogna an'Azy izay nitondra lelay malemy reka; zay nolanjen'olona efa-day. 4Refa tsiafaka nagnatogna anazy akeky zarô nony amaroan'ny vaôka, de nagnendan-jarô ny tafotragno tiô ambonin'i Jesosy, ary reefa vôsokatran-jarô de nampidignin-jarô tiô ny randriana nisy an'ilay lelay nalemy.5Non'ny naita ny finoan-jarô, Jesosy de hoy Izy tamin'ilay lelay malemy hoe: "Anaka vôvela ny elokao". 6Ary nisy ny sasagny taman-jarô mpitondra fanjakana nipetraka tiô, ka nimonomonogna takagny ampony zarô hoe: 7"Aôna no afan'io lilay io mizaka karan'izany? Miteny ratsy Izy! Fa tsy andriamanitra reka my va mamela eloka?"8Fa jesosy nafantatra avy atragny tam-pagnainy ny zavatra nieretreretin-jarô, ary hoy izy taman-jarô hoe: "Nagnino anarô mieritreritra zany ra izany tao amponarô? 9Ino no moramora koa ny mizaka amin'io lelay malemy io hoe: "Vôvela ny elokanô" Sa hoe: "Misangàna, batiô ny fandriagnanô, ka mandiana?"10Fa mba afantaranarô fa managna faefana hamela eloka eto amboniny tany ny zanak'olona, ho Izy tamin'ilay makemy hoe: 11"Zakeko amanô, misangàna ka batiô ny rafandriananô ka modia agny andragnonô" 12De nisangana izy de tonga de nibata ny rafandriany avy atragny, ka nivoaka ny tragno takiô agnatrean'olona rehetra, ka variana ny olona manontolo ka nagnome voninahitra an'Anandriamanitra, ary hoy zarô hoe: "Mbola tsy naita ra karan'ity ze."13Aviô de nivoaka tiô amoron-dranomasina ndreka Izy ary nagnatogna anazy daolo ny vaôka, de nampianariny zarô. 14Ary rehefa nandalo Izy de naita an'i Levy zanak'i Alfeo nitoetra tiô amin'ny toerana fandoavan-karatra ka hoy Izy taminy hoe: "Magnaraa ana". De nisangana izy ka nagnaraka anazy.15Nihinana tao andragnon'i Levy Jesosy ary mpitaky hetra sy olona mpnonta marobe no niaraka ninan-kanina tamanazy sy zarô mpianany, fa maro zarô takô ka nagnaraka anazy. 16Ary zarô mpaay lalàna, izay fariseo, ra naita an'i Jesosy niara-ninan-kanina taman'olona mpanonta sy ire mpanery hetra, de nagnadina ny mpianatra hoe: "Nagnino Izy no miaraka minan-kanina amin'ny mpanangon'etra sy olona mpanonta?''17Raha naregny an'izany Jesosy de hoy Izy taman-jarô hoe: "Tsy ny salama no mila mpisabo; fa ny marary iany no mila an'izany. Tsy tonga agnantso ny olo-marina Aho , fa ny mpanota."18Ary nifady ra-anina zarô mpianatr'i Jaona sy zarô Fariseo. Lilay maromaro no nagnatogna Anazy ka nizaka tamin'ny hoe: "Nagnino ny mpianatr'i Jaona sy mpianatran-jarô Fariseo no mifady ra-anina, fa mpianatra anô koza tsy mba mifady?" 19De hoy Jesosy tamanjarô hoe: "Afaka mifady ra-anina va ny mpagnatrika ny fampakarana ra mbola akiô ny mpampakatra? Ra mbola miaraka aman-jarô akiô ny mpampakatra, de tsy afaka mifady ra-anina zarô.20De ho tonga ny andro angalanan'ny mpampakatra eo aman-jarô, de aman'izegny andro zegny vao hifady ra-anina zarô. 21Tsy misy olona manombigna lamba rota amin'ny lamba vôvô, ra izany de miala amin'ny lamba vôvô ny lamba rota ary vômenka ratsy ny farotavany.22Ary tsy misy olona magnatô divegna vôvô agnatin'ny siô oditra rota, ra izany de vaky ny siô oditra rota, ka ho very ny divegna. Fa divegna vôvô de atô agnatin'ny siô oditra vôvô.23Tamin'ny andro Sabata Jesosy de nande tegny ankoraka maromaro, ary nanomboka nambely tan-tagnombary ny mpianany. 24De hoy zariô Fariseo Taminy: "Antegno, nagnino zarô no magnano raha tsy arakaky ny lalàna amin'ny andro Sabata?"25De hoy Izy taman-jarô hoe: "Mbola tsy nivakinarô angamba zegny natôny Davida rehetra tô agnatin'ny tsy fanagnana sy farefognana izyˍsy zarô lilay niaraka taminy. 26Nagnino ny fomba nidirany takô andragnon'Andriamanitra tamin'ny andron'i Abiatara mpisorogna be, ka ninana ny mofon'ny fanatrehana, zay tsy ara-dalana n'iza n'iza no omana anazy ra tsy mpisorogna my ary mbola nagnomezany be de be zarô niaraka tamananzy aza?"27Jesosy nizaka hoe: "Ny Sabata de natô ho an'ny zanak'olombelona, fa tsy ny zanak'olombelona natô ho an'ny Sabata. 28Non'izany , de ny zanak'olona no tompo, nade amin'ny Sabata aza''.

Chapter 3

1De ninga taman'ny Synagoga ndreka Jesosy ary nisy lilay maty tagnana takô. 2Nizaa marivo Anazy ny olona sasagny mba ahita raha agnasitrana azy amin'ny Sabata Izy mba afahan-jarô magnameloka Anazy.3Hoy Jesosy tamin'ny lilay maty tagnana hoe: "Misangána ka mijoroà aketo agnivon'ny olo-maro aketo". 4De nizaka tamin'olona izy hoe: "Azo atao va magnano ra tsara amin'ny andro Sabata sa magnano ratsy; ny magnavotra egna, sa ny mamono?" Nefa zarô tsy nizaka se.5Nizaha an-jarô tamin'avignirana Jesosy, sady nalaelo Izy nony hamafin'ny fon-jarô, de nizaka tamin'ilay lilay Izy hoe : "Amparo ny tagnanô". 6De namparin'ilay lilay ny tagnany ka sitrana. Nivoaka zarô Fariseo ka nignonognonogna be niaraka tamin'ny Herodiana hiaragna fomba amonona Anazy.7Avy tiô Jesosy, niaraka taman-jarô mpianany, ninga tagny andranomasina, ary nisy olona maro nagnara avy tagny Galilia sy avy agny Jodia, 8ary avy agny Jerosalema sy avy agny Edoma ary hatragny ami'ny reniranon'i Jordan sy magnodidigna ny Tyro sy Sidona. Rehefa naregny momba ny zavatra natôny zarô, de nisy vaôaka maro nandea ankiô aminy.9De nagnasa ny mpianany niaragna lakana bitika Jesosy ho Anazy non'ny amaroan'olona tiô, mbarase tsy voatosik'olona Izy. 10Nony Izy nagnasitrana olona maro, dia nifarombaka nagnatogna Anazy ny olona manontolo zegny nanagna aretina mba ikasika Anazy.11Isaky naita Anazy ireo fagnahy maloto, de miandoalika aloany ary mibarara, ary hoy zarô hoe: "Anô no zanak'Andriamanitra". 12Nizakeny mafy ireo mba tsy agnatoro Anazy.13Niakatra tegny antam-potavirana Izy, ary nagnantso an-jarô zegny tiany, mba inga akiô Aminy zarô. 14Nagnasa an-jarô roa ambifolo lahy Izy (izay nantsoiny hoe Apositoly), mba afahan-jarô miaraka Aminy sady koa afahany mandefa an-jarô magnambara ny afatra, 15sady hanagnany faefana androaka demonia. 16Avy tiô de nagnasa ireo roa ambifolo Izy: Simona, zay nameny agnarana hoe Petera;17Jakoba zanak'i Zebedio, sy Jaona tambokireka amanazy, zay nameny agnarana hoe Boanarijesy, mitovy amin'ny hoe, zana-baratra; 18ary Andrea, Filipo, Baritolomeo, Matio, Tomasy, Jakoba zanak'i Alfeo, Tadeo, Simona Zelota, 19ary Jodasy Iskariota, izay hamadika Anazy.20De nody tan-dragno Izy, de niara-tonga ndreka ny vaôaka, ka tsy afaka ninan-kanina se zarô. 21Ra naregny ny momba anizany ny avany, de nivoaka zarô angalaka Anazy, satria nizakan-jarô hoe: "Foka Izy." 22Zariô mpitondra fanjakana de nandrorogna avy takagny Jerosalema ka nizaka fa: "Ipetrahan'ny Belzeboba Izy ka amin'ny alalan'ny mpanapaky ny demonia my no androhany demonia."23De nantsovan'i Jesosy agnatogna Anazy zarô ka nizakany tamin'ny alalan'ny fagnoarana hoe: "Karakory ma afahan'ny Satana mandroakan'i satana? 24Ra misy fanjakana miady andragno, de ho rava zany. 25Na misy tokantrano miady andragno, de ho potika izany tokan-tragno zany.26Ra nitsangana nanohitra ny tegnany Satana de misaraka, de tsy aharitra, ka hifaragna. 27Fa tsisy afaka miditra andragnon'ny lilay matanjaka ka mandrobaka ny fanagnany ra tsy mamatotra zay mahery aloaka, de androbaka ny tragony izy avy akiô.28Zakeko mazava tsara aman-driô, ho vôvela daholo ny olona, amin'ny teny ratsy rehetra izay avôkan'ny vavany, 29fa zay miteny ratsy ny Fagnay Masina koza de tsy vôvela heloka mandrakizay." 30Nagnambara izany Jesosy non'ny filazan-jarô hoe: "Managna fagnay maloto Izy."31Avy tiô de tonga ny mamany sy tambokoreka amanazy nipetraka tagny avelagny. Nagnasa olona niaragna Anazy zarô, ka nagnantso Anazy. 32Nipetraka magnodidigna Anazy ny vaôka de hoy zarô tamanazy hoe: "Ny mamanô sy tambokireka amanô de avelagny akô, miaragna anô zarô kô".33Ary Izy namaly hoe: "Zovy mà mamako sy tambokireka amanaa?" 34Ary nizaha nagnodidigna taman'olona nitoetra magnodidigna Anazy Izy de hoy Izy hoe: "Antegno, itôgna ny mamako sy tambokireka amanaa! 35Fa na zovy na zovy magnano ny sitrapon'Andriamanitra, de zany olona zany no ralahiko, sy anakaviko, ary mamako."

Chapter 4

1Ary nagnandogna nampianatra tiô amoron-dranomasina ndreka Izy, de nisy vaôka maro be nipetraka nagnodidigna Anazy. Niditra tan-dakana bitika tiô an-dranaomasina Izy, ary nitoetra taman'izany. Ny vaôka mantolo koza de nizanogna tiô amoron-dranomasina. 2Nampianatra an-jarô ra maro be tamin'ny alalan'ny fagnoarana Izy, ary tiô amin'ny fampenarany, de zô no nizakeny taman-jarô.3Tsonoè, nisy mpamafy ande amafy voa. 4De rehefa namafy izy, de nisy voa sasagny niraraka tan-ketogna, de rehefa avy ny vorogna de nihinana anazy. 5Ny voa sasagny niraraka tamin'ny tany be vatovato, zay tsy nisy tany firy. Afaka naniry avy atrany izy regny, fa tsy lalina ny tany nisy anazy.6Ka rehefa mipiriàka agnandro, de nalazo zarô, satria tsisy vahany, de megna. 7Ny voa afa niraraka tamin'ny tany be fatsy (tagnatina ahitra maniry). Ary naniry menka agnona ny fatsy de namia anazy, de tsy namoa izy.8Ny voa afa ndreka niraraka tami'ny tany tsara (tany malemy) ka namokatra voa tiô am-pagnoasany, ary nisasgny nitombo avo telopolo eny, ny sasagny enimpolo, ary ny sasgny zato. 9Avy tiô de hoy Izy hoe: ''Zay manantadigny tonoana ra, de aok' izy iteno!"10Rehefa nipetra manokana Jesosy, de nagnadina Anazy mikasika io fagnoarana io zarô marivo Anazy sy zarô mpianany roambifolo. 11Hoy Izy taman-jarô hoe: "Andriô no tsy agnafenana ny ra miafina ao amin'ny fanjakan'Andriamanitra". Fa ho an-jarô agny avelagny de fagnoarana daholo, 12mba amin'ny fotôna izahanan-jarô, eny angitigna zarô, nefa tsy haita, ary mba amin'ny fotôna hitonoàn-jarô, eny aregny zarô, nefa tsy afantatra an'izany, na koa hiodigna zarô de amindra fo aman-jarô Andriamanitra.13Ary hoy Izy taman-jarô hoe: "Tsy azon-driô ma fagnoarana zany a? Aôna zany azaoanariô ny fagnoarana afa rehetra? 14Ny mpamboly zegny mamafy ny voa de olona reka zegny mamafy ny teny. 15Ireto zay niraraka tegny an-dalana, de namafy ny teny, ka rehefa regnin-jarô zany, de tonga de avy Satana de nangalatra ny teny izay vôfafy taman-jariô.16Ireto zegny vôfafay tamin'ny tany be vatovato, de zarô naregny ny teny, de tonga de nandray tam-pifaliana avy atragny. 17Tsisy vahàny taman-jarô, fa tagnatiny fotôna fohy fogna. Ka ra tonga ny fijaliana na ny fagnenjeana non'ny teny, de tonga de lavo zarô.18Ireo afa zay vôfafy tamin'ny tany be fatsy (be aitra). Regnin-jarô ny teny, 19fa ny fagnain'izao tontolo zao, ny famitahan'ny arena, sy ny fagniriana ny raha hafa de tafiditra ka manageza ny teny, ka tsy mamoa vokatra zany. 20Ary ireo zay vôfafy teny amin'ny tany tsara dia ireo zay maregny ny teny ka mandray zany, ka mamoa vokatra izy ireoˍtelopolo, enimpolo, na avo zato henin'izay nafafy.21Jesosy nizaka taman-jarô hoe: "Mô entinô andragno va ny jiro de atô akô ambany tanty, na ambanin'ny farafara? Fa andonô miditra zany de atônô ambonin'ny fagnatovan-jiro. 22Fa tsisy raha miafina zay tsy ho fantatra, ary tsisy tsiambaratelo zay tsy voaka. 23Ra misy manan-tadigny tsonoana ra, de aoka izy hiteno!"24Hoy Izy taman-jarô hoe: "Mitandrema amin'ny teny zay regnin-driô, fa arakaraky ny oatra anoaran-driô my, no anoarana an-driô, ary ho ampiana aminarô zany. 25Satria na zovy na zovy managna, de omena lalina be izy, ary na zovy na zovy tsy managna, na de zegny anagnany aza de alana amanazy."26Ary hoy iany koa Izy hoe: "Ny fanjakan'Andriamanitra de tahaka ny olona reka mamafy ny voany amin'ny tany. 27Mandry izy amin'ny andro alina ary mifoa amin'ny mandregna, ary ny voa de mipaka de maniry, fa tsy fantany hoe ahôna. 28Ny tany de mamoa amin'ny tegnany hiany: vôlognany ny tagnantagnany, avy akiô de ny taony, avy akiô de ny voa matoe eo amin'ny taony. 29Ary rehefa matoe ny voa de tonga de andefasana mpambely, fa efa tonga ny fotom-pambilezana."30Ary hoy indray Izy hoe: "Ino ra azontsena agnoarana amin'ny fanjakan'Andriamanitra, inona no fagnoarana ampesentsena agnazavanan'izany? 31Izany de karany ny vôtsinampy, rehefa afafy, de izy ny voa farany bitika indrindra amin'ny voa mantolo aketo ambonin'ny tany. 32Nefa rehefa vôfafy zany, de maniry ary lasa lebe nohon'ny kakazo mantolo, ary managna tagnantagnana maventy, ka azon'ny vorogna mirigna agnanovana tragno amin'ny malemileminy."33Ary fagnoarana maro karan'izany no nizakany teny taman-jariô, arak'izegny azahoan-jarô anazy, 34ary tsy nizaka taman-jarô ra-tsy tamin'ny fagnoarana Izy. Fa rehefa Izy reka, de azaveny amin'ny mpianany manokana my ny zavatra rehetra.35Taman'izany andro zany, rehefa tonga ny folak'andro, de hoy Izy hoe: "Andô ntsena hisaka agnilany." 36Ka niala tamin'ny vaôka zarô, nitondra an'i Jesosy niaraka taman-jariô, tendrika Anazy tagnaty lakana bitika igny. Nisy lakana bitika afa ndreka nandia niaraka taminy. 37Avy takiô nanomboka nisy rivotra be ary ny onjan-drano nandifotra ny lakana bitika ka efa seky feno rano ny lakana bitika.38Ary Jesosy reka nandry tiô ambodin'ny lakam-bitika, tambonin'ny ondana. Nifoazin-jarô Izy, nagnano hoe: "Mpampiatra ô, tsy mampagnino Anô ve ra hofaty aketo ntsena?" 39Ary nifoha Izy, de nizaka mafy tamin'ny rivotra, ary nizaka taman'ny ranomasina hoe: "Mitsahara! milamina!" Ary nizanona ny rivotra, ka nilamina sô mantsara.40Ary hoy Izy taman-jarô hoe: "Naoana anariô no mataotra? Mbola tsy manam-ponoana fogna va nariô?" 41Vaka be zariô ka nifampizaka hoe: "Iza mô ty, fa na de ny rivotra sy ny ranomasina aza de magneky Anazy?"

Chapter 5

1Tonga tagny agnilany ranomasina zariô, tao amin'ny faritr'i Gerasena. 2Rehefa niala avy tiô amin'ny lakam-bitika Jesosy, de tonga de nisy lilay reka azon'ny fagnahy maloto no nagnatogna Anazy avy tegny amin'ny fasagna.3Nibodika tegny amin'ny fasagna ity lilay ity. Tsy nisy koza olona afaka nitàna anazy nade tamin'ny rojo vy aza. 4Voafatotra matetika tamin'ny gadra vy sy rojo vy izy. Notapahiny ireo rojo ary potika ireo gadra vy.Tsy nisy nanagna hery nifehy ananjy.5Isan'alina sy isan'adro tegny amin'ireo fasagna sy tegny an-tendrombohitra, de nihoekoeka izy ary mandratra ny vatagny tamin'ny vato marangitra. 6Rehefa nahita an'i Jesosy avy alavitra izy, de nisadodo ninga akiô Amanazy ary niankohoka tiô aloany.7Ary nangeka tamin'ny fiȏ mafy izy hoe: ʺIno ma no ifadraisako aminȏ, ry Jesosy zanak'Andriamanitra Avo indridra? Mangataka aminȏ amin'ny agnaran'Andriamanitra reka my zao, aza mampijaly ana". 8Fa Izy niteny tamanajy hoe: ʺMivoaà aman'io lilay io, ry fagnahy malotoʺ.9Ary izy nagnadina ananjy hoe: ʺZovy agnaranô? Ka novaliny hoe: ʺLegiona no agnarako, satria maro be zeʺ. 10Ary nangataka mafy Taminy hatragny hatragny mba tsy anora anjarô agny ivelagn'ny faritra.11Ary nisy lambo marobe nitrongy tamin'ny tagnambona, 12ary nangataka Taminy zariô hoe: ʺAlefaso amin'ny lambo rôgna ze; avile ze hiditra akô". 13Ka de navelany zarô; ary nivoaka ireo fagnahy maloto ka de niditra tamin'ireo lambo, de tonga de nibiridika tegny amin'ny elaka ho agny an-dranomasina ireo, ary lambo tiô amin'ny roa arivo tiô no maty tao an- dranomasina.14Ninga nilefa ireo namahagna ny lambo ary nitatitra ny zava-niseo tiô an-tanàna sy tagny ambanivolo, ary olona maro no nivoaka izaha ny raha niseo. 15Avy tiȏ zariô de ninga amin'i Jesosy ary hitan-jariô ny lilay nitoeran'ny demonia, ilay izay nitoeran'ny Legiona, nipetraka tiô, nagnatô lamba ary nilamintsaina tsara; ka de natahotra zariô.16Ireo zay nahita ny ra-niseo tamin'ilay lilay nipetrahan'ny demonia de nikorana taman-jarô ny momba zany tamin'ny antsipiriany, ary koa nitantara momba ireo lambo taman-jariô. 17De nanomboka nangataka Azy zariô mba hialany eo amin'ny faritra misy an-jarô.18Rehefa hiakatra tao amin'ny lakam-bitika Izy, dia niangavy taminy ilay lilay nipetrahan'ny demonia mba omba Anazy. 19Saingy tsy nagnek'izany nefa Jesosy, fa nagnano Taminy hoe: "Nda mody agny amin'ny tragnonô sy ny fianakavianô ka tantariô aman-jariô izay natôn'ny Tompo taminô, sy ny namindrany fo taminô!" 20De ninga nody izy ary nanomboka nagnambara ny zava-dehibe izay natôn'i Jesosy tamanazy tany Dekapolisy, ary gaga ny rehetra.21Ary rehefa nandia tegny agnilany ndreka Jesosy, tamin'ny lakam-bitika, de indro nisy olona maro be nivory nagnodidina Ananjy, raha tiô amorogn'ny ranomasina iny Izy. 22Avy tiô de tonga ny reka taman-jariô mpitarikan'ny Synagoga, atao hoe Jairo, ka ra vô nahita Azy, de nisoroaka tamin'ny Ongony. 23Nibiôbiôka tiô izy, ka nagnano hoe: "Marary be efa ho faty ny zanako viavy. Mitalaho aminô zao, andô koa de atife amanazy ny tagnanô mbarase sitrana sy ho velona izy". 24De ninga niaraka tamanazy Izy, ary olona maro be no nagnaraka sy nagnety nagnodidina Ananjy.25Ary nisy viavy reka tiô voan'ny fahaverezan-drà nandritry ny roamby folo tôna. 26Nijaly be fogna izy ary nitety mpitsabo maro sy nandany ny fanagnany manontolo, nefa de tsy sitrana se fa vômenka aza menkarasy. 27Rehefa naregny ireo tatitra mamomban'i Jesosy izy, de ninga tafara tao anaty vaôaka izy ary nikasika ny akanjony.28Satria hoy izy hoe: "Raha mahakasika ny lambany fogna aho, de efa sitrana." 29Ndreka nikasika Anazy izy, de negnina ny fahaverezan-drà, ary sapany atragny agnatiny fa sitrana tamin'ny aretinanazy izy.30Fantan'i Jesosy niaraka taman'izany fa nisy hery niala avy tamananjy. Nitodika tamin'ny vaôaka Izy ary nizaka hoe: "Zovy no nikasika ny akanjoko tiô?" 31De namaly Azy ny mpianany hoe: "Hitanô vaôaka maro be mibosesika aminô io ka hoy Ianô hoe: "Zovy no nikasika Anà." 32Fa nagnintigna ny magnodidina Ananjy Jesosy mba ahitany zegny nagnano an'izany.33Ilay viavy, nafantatra zegny raha nitranga taminy, de nataotra sy nangitakitaka. Nande izy ary nisoroàka tiô alohan'i Jesosy ka nizaka tamanazy ny marina manontolo. 34De hoy Jesosy hoe: "Anaka, ny finoanô no nagnasitrana anô. Mandiana aminy fiadanana ary misitranà amin'ny aretina anô."35Raha mbola nizaka Izy, dia tonga ny olona sanagny avy tagny amin'ny mpitarika ny Synagoga, nagnano hoe: "Efa maty ny zanagno. Naoana no mbola mampijaly ny mpampianatra my anô?".36Fa rehefa naregny raha nizaken-jariô Jesosy, de hoy Izy tamin'ilay mpitarika ny Synagoga hoe: "Aza matahotra. Fa minoà fogna." 37Ary tsy nisy navelany iaraka aminy, ra-tsy Petera, Jakoba, ary Jaona, tamboka reka amin'i Jakoba my. 38Tonga tagny andragnon'ilay mpitarika ny Synagoga zariô ary nahita olona nihoalahola be takiô Izy; nitomagny sy nibarara be zariô.39Raha vô niditra tan-dragno Izy, dia hoy Izy taman-jariô hoe: "Naôana andrio no mitabataba sy mitomagny? Tsy maty ny zaza fa mandry." 40Nimoe an'Azy zariô. Nefa navoagny tagny avelagny izy manontolo ary nangalaka ny iabany sy ny renin'ilay zaza sy ireo izay niaraka taminy, ary niditra tao amin'ny efitragno nisy ilay zaza Izy.41Nisamboriny ny tagnan'ilay zaza ary nizaka taminy hoe: "Talita, Komy!" zany raha adika de hoe: "Ry zaza viavy, mizaka aminô Zao ,mitsangȧna." 42Tonga de nitsangana zaza viavy ary nandiaa (satria roa ambin'ny folo taona izy). Magnana fogna lilaka zariô. 43Nizakeny mafy zariô mba tsy hisy na zovy na zovy afantatra ny momban'izô. Avy tiô de naseny namena ra-anina razaza viavy.

Chapter 6

1Niala taman'io toerana io Izy ka nandiaa antanin-drazagna, ary nagnaraka Anazy zarô mpianany. 2Ary raa tonga ny andro sabata, de nampianatra tiô amin'ny Synagoga Izy. Maro ny olona niteno Anazy ka magnana zariô. Hoy zariô hoe: "Avy akeza no nazaoan'io fampianarana io''? ''Ino zô fahedrena zay namena Anazy zô?" Ino ra mamagnana zay natôny taman'ny tagnany io?'' 3Tsy le mpandrafitra va io, ilay zanak'i Maria tambokireka aman'i Jakoba, Josesy, Jodasy ary Simona? Tsy miaraka amantsena aketo koa ve ny anakaviny?'' Voatoina taman'i Jesosy zariô.4De hoy Jesosy taman-jarô hoe: ''Tsy misy mpaminagny azaina eo amin'ny tanindrazagny sy ny eo amin'ny avany ary eo amin'ny ankohonany. 5Tsy afaka nagnano asa magaga Izy, ra tsy ny fametran-tagnana tamin'ny marary visivisy ary magnasitrana an-jarô. 6Magnana nony tsy finoan-jarô Izy. Avy takiô de nandia nagnodidigna ireo tanàna Izy hampianatra.7Avy takiô de nagnantso an-jarô roambifolo lahy Izy ary nanomboka nagnasan-jarô siroe roe, ary nomeny fahefana tamin'ny fagny ratsy zariô, 8Ary nandrara an-jarô tsy tondra na ino na ino amin'ny diany, na mofo, na kitapo, na vola amin'ny fehikibon-jarô, ra-tsy tehina my, 9fa magnatova kapa, fa aza magnatô akanjo roé.10Hoy Izy taman-jarô hoe: ''Na oviana na oviana andriô miditra andragno reka, de mipetraha akô tampy ialanarô akagny. 11Ary ra misy tanàna tsy mandray narô na tsy miteno ndriô, ka rehefa magnamboho zany toerana zany anarô, de fafao ny vovoka amin'ny tongonarô mba ho vavolombelona iampanga an-jarô.12De ninga zarô ka nitory fa ny olona de tokony hibebaka amin'ny fahotany. 13Nandroaka demonia maro zarô, ary nagnosotra marary maro tamin'ny ilo ka nagnasitrana anazy reny.14Regnin'i Heroda mpanjaka izany, satria rengy laza ny agnaran'i Jesosy. Ny sasagny de nizaka hoe: "Nitsangana tamany maty Jaona mpagnano batisa ka zany no anagnany hery aezany magnano raha magaga io. Zarô sasagny koza nizaka hoe: "Elia izy". 15Fa zarô sasagny mbola nizaka hoe: "Mpaminagny Izy, kara ny reka aman-jariô mpaminagny tamin'ny andro talofa my".16Fa rahefa naregny an'izany Heroda de hoy izy hoe: "Jaona, ilay notapaiko loha, no nitsangana tamin'ny maty" 17Fa Heroda nagniraka olona anambotra an'i Jaona ka nampigadra azy nohon'ny rahalain'ny Herodiasy (vadiny Filipo rahalahiny), satria natôny vady raviavy.18Fa Jaona nizaka taman'i Heroda hoe: "Tsy araka ny lalàna no angalaranô ny vadin'ny ralainô." 19Fa vignitra tamanazy Herodiasy ka niaragna tetika amonoana anazy, nefa tsy afaka, 20nony fatahoran'i Heroda an'i Jaona; fantany fa olo-marina sy feno fahamasinana izy, ary niaro anazy izy. Nampiasa loha anazy ny faregnesany anizany. Kanefa mbola niteno anazy tamin-kafaliana izy.21Avy tiô de nisy niraina tamin'ny fiveregnany taona naterakan'i Heroba ka nagnano fanasana ho an-jariô lebeny, sy ireo mpifehiny, ary zariô mpitarikan'ny Galilia Izy. 22De niditra tagn'efitragno fanasana ny zanaka vavin'i Herodiasy ary nandihy ho an-jariô, ary nahafinaritra an'i Heroda sy zariô vahiny nantsovana tamin'ny finanan-kanina izy. Hoy ny mpanjaka tamin'ny zaza viavy hoe: "Laoe amanaa zegny ra rehetra tianô fa omeko anô zany".23Ary niafatrafatra tamazy izy ka nagnano hoe: "Na ino na ino no angatahinô amanaa, de omeko anô, na de antsasagny fanagnako aza. 24"De nivoaka izy, de nizaka tamany mamany hoe: "Ino ma ra tokony laoeko amanazy"? De hoy mamany hoe: "Ny lohan'i Jaona mpagnano batisa". 25Takiô takiô my de nierigna tamin'ny mpanjaka izy, ka nagnano hoe: "Tiako omenô ana zô de zô, eo ambony lasety ny lohan'i Jaona mpagnano batisa.''26Na de nampalahelo be ny mpanjaka aza zany, de tsy afaka nandà fangatahany izy nony afatrafatra izay natôny sy nony vahiny nantsovana nihinana takiô amin'ny fanasana. 27Non' izany de tonga de nagnasa maramila reka avy tamin'ny mpiambina ny mpanjaka ka nagnasa anazy hitondra ny lohan'i Jaona ankiô aminy. Nandeha ilay mpiambina ka nanapaka ny lohany tao antragnom-pigadrana. 28Nindôny tambonin'ny lasety ny lohany ka nomeny an-jaza viavy, ary le zaza viavy nagnomia anazy an-dreniny. 29Rehefa naregny an'izany zarô mpianany de ninga nangalaka ny vatagny ka nalevigny agny ampasagna.30Nierigna tagny amin'i Jesosy jariô Apositoly ary nitantara taminy zegny ra rehetra vitan-jarô sy nampenarin-jarô. 31Ary hoy Izy taman-jarô: "Andô ntsena inga antany foagna mba angalaka robiana bitika.''' Fa maro ny olona misavoesavoe, ary tsy manam-potoana hinanan-kanina koza zarô. 32De nandia an-dakana bitika zarô mba ho agny antany foagna.33Fa zariô nahita an-jarô ninga ary maro no nahafantata an-jarô, de niara-niazakazaka an-tongotra avy tagny amin'ny tanàna rehetra zarô, ary tonga teo talohan-jarô. 34Rehefa tonga tegny amorogny zariô, de natazagna vaôaka maro Izy ary nangoraka an-jarô Izy, satria kara ondry tsisy mpiambina zariô. Ka nanomboka nampianatra raha maro an-jarô Izy.35Ary rehefa folak'andro ny andro, de nagnatogna Anazy zariô mpianany ka nagnano hoe: "Tany foagna ity, ary ny andro de efa ho alina koá. 36Avile zarô mba inga agny amin'ireo fonegnany sy tanàna magnodidigna hividy sakafo mba hoanin-jarô."37Fa namaly Izy ka nagnano taman-jarô hoe: "Omeo raha ohanina zarô''. De hoy zariô taminy hoe: "Afaka mande minga mivanga mofo azon'ny denaria roanjato ve zé ka agnomen'izany an-jariô ho aniny?" 38De hoy Izy taman-jarô hoe: "Firy ny mofo anagnandriô? Ndá de zahano." Refa hitany, de hoy zariô hoe: "Mofo dimy sy lôka roe."39De nibeko ny olona jiaby mba hitoetra mitokotokogna takiô amboniny ahitra meso Izy. 40De nipetra nitokogna zariô; tokogny zato sy dimampolo. 41Nangalaka ny mofo dimy sy lôka roe Izy, nidraka ny lanitra Izy de nisôtra ka nizarazara ny mofo ka nangnomen'izany tamin-jarô mpianatra mba omena ny olona .Nizareny koa ny lôka roe ho an-jarô rehetra.42De nihinana aby zarô maro be madrapa voky an-jarô. 43Nalen-jarô ny mofo tsy lany, de nahafeno roambifolo tanty mitafotafo, ary koa ambin-dreo lôka. 44Nisy dimy arivo zarô lilay nihinana ny mofo.45Tiô de tiô my de naseny nideba lakam-bitika zariô mpianatra mba inga alohany ho agny agnilany, hôagny Betsaida, raha nampody ny vaôaka Izy. 46Rehefa dila zariô, de niakatra an-tampotavirana Izy mba hivavaka. 47Tonga ny alina, ary efa antegnantegna rano ny lakam-bitika, fa Izy reka tavela tan-tamboo.48Ary hitany fa nijaly be zarô nive lakam-bitika, satria nanohitra be an-jariô ny rivotra. Takiô aman'ora fembenana fahefatra ny alina de nagatogna inga akiô aman-jarô Izy, nandia tegny ambony ranomasina, ary te-handalo taman-jarô Izy. 49Fa rehefa nahita Anazy nandia tegny ambonin'ny ranomasina zariô, de neverin-jarô ho angatra na (raraa) Izy ka nioekoeka zariô. 50Satria nahita Anazy zarô ka vaka, tiô tiô my de nizaka taman-jariô Izy hoe: "Matokisa! Zao my ty! Aza matahotra!"51Ary niditra tan-dakana bitika niaraka taman-jarô Izy, de negnina tsy nandrivotra koza. De magnana aby se zariô. 52Ary tsy takatry ny segnan-jariô se ny dikan'ile mofo. Fa nefa koza, menka mafy ny fon-jarô.53Rehefa tody zariô, de tonga tô Ganesareta zariô ka nibodika takô. 54Ary rehefa niala tan-dakam-bitika zarô, tonga de fantan'olona tô Izy. 55Ka niazakazaka nagneragna ny faritra manontolo zariô ary nanomboka nitondra marary tamin'ny fandriany tagny amin'izegny rehetra regnin-jariô misy an'Azy.56Fa na takaa na takaa nandianany na an-tanàna, na antanam-be, na tegny amin'ny vohitra bitika, de napetrakan-jarô teo amin'ny kianja ny marary. Niangavy Anazy zariô mba andefa an-jarô hikasika ny morognak'anjony, ary zarô manontolo izay nikasika Anazy dia sitrana.

Chapter 7

1Zareo Fariseo sy ny fanjakana sasagny izegny avy tagny Jerosalema de tonga nivory nagnodidigna Ananjy.2Ary hitanjareo ny mpianatra sasagny nihinana mofo tamin'ny tagnana tsy madio, izany hoe tsy vôsasa. 3(Fa ny Fariseo sy ny Jiosy jiaby de tsy mba nihinana raha tsy efa avy nanasa ny tagnananjareo , satria magnaraka ny fombafombanjareo loholona.) 4Ary ndreka niherigna avy tagny abazary zareo Fariseo, dia tsy mihinana zareo raha tsy avy mandro, ary mitandrigna fomba maro hafa tegnandraha zareo, kara ny fanasana kapoaka, sy ny fagnaranana, fanaka varahina, ary ny fandriana izay hinananjareo.)5Ireo Fariseo sy ny mpitondra fanjakana nagnadina an'i Jesosy hoe: '"Nawana ny mpianatra no sy nandiaa araka ny fombafombanjareo loholona, fa mihinana ny mofonjareo amin'ny tagnana tsy vôsasa?"6Ndrefa hoy Izy taminjareo hoe " Isaia naminangny tsara momba andreo mpiasaravelatsihy. Nosoratany hoe: "Ity vaoaka ity magnaja Anay amin'ny molotra, fa ny fony koza lavitra Anay. 7Foagna ny fivavahana amianjareo Anay, raha mampianatra ny fitsipik'olombelona mba ho fampianaranjareo.'8Navelandreo ny didin'Andriamanitra ka tanandreo mafy ny fomban'ny olona.'' 9Ary hoy ihany koa Izy taminjareo hoe: '' Kara ino ny fagnarianareo ny didin'Anriamanitra mba hitandremandreo ny fomban-drazagnanareo! 10Fa hoy i Mosesy: 'Magnajà ny babanô sy ny rininô, ary koa, zegny mizaka ratsy ny abany sy ny reniny dia ho faty tokoatra.'11Kanefa andreo mizaka fa: ''Raha misy lilahy reka mizaka ny abany na ny reniny hoe: 'Na ino na ino tianô ho azo avy aminay dia efa Korbana,''' (izany hoe: 'namian'Andriamanitra') - 12de tsy avelandreo hagnano na ino na ino amin'ny abany sy ny reniny kôza izy. 13Magnafoagna ny tenin'Andriamanitra andreo noho ny fomban-drazagnanandreo izegny nitanandreo. Ary raha maro mitovy amin'izany koà no atôndreo."14Ary nagnanso ny fokon'olona ndreka Izy ka nizaka taminjareo hoe: " Mitonoà Anay, andreo jiaby, ka fanataro. 15Tsy misy raha avy agny avelagny zegny miditra agnatin'ny olona ka afaka mandoto ananjy ndreka miditra agnatiny. Fa izegny mivoaka avy ao angatiny no mandoto ananjy." 16[Fagnamarinana: Ny fandikana tegna tsara dia tsy mentsy magnatô ny andininy faha 16: Raha misy manan-tadigny hitonoàna, de ôka izy hiteno.]17Ary ndreka niala takeo amin'ny fokonolona i Jesosy ka niditra tan-dragno, de nagnadina Ananjy momba le fanoharana ny mpianany. 18Hoy Jesosy taminjareo: "Mbola velona amin'ny fahalalana koà megny andreo a? Tsy hitandreo megny fa izegny miditra ao agnatin'ny olona avy agny avelagny de sy mandoto ananjy, 19satria tsy afaka miditra ao am-pony izany, fa agnaty kibo fôgna de mivoaka amin'ny fivoaany?" Tamin'izany fagnambarana izqny de nagnano ny raanina jiaby ho madio i Jesosy.20Hoy Izy: "Izegny mivoaka avy amin'ny olona no madoto ananjy. 21Fa avy agnatin'ny olona, avy ao am-pony, no ivoaan'ny segna ratsy, ny fahavetavetana, ny halatra, ny vono olona, 22ny fizangazangana, ny fitsiriritana, ny haratsiam-pagnahy, ny fitaka, ny fizezozezoana, ny fialognana, ny famosana lenga, ny avognavogna, ny hafokàna. 23Izany raha tsy manjary jiaby izany no mivoaka avy agnatin'ny olona, ary izany no mandoto ananjy."24Niala takeo Izy ka ninga tagny amin'ny faritr'i Tyro sy i Sydona. Niditra tan-dragno reka zegny Izy ary tsy tiany ho fantan-jovy na zovy fa takô Izy, nefa tsy afaka nivony. 25Kanefa niaraka tamin-jegny de nisy viavy reka, izegny nisy fagnahy maloto ny zanagny viavy bitika, naregny ny momba ananjy, tonga, ary nenkohoka teo ankongogny. 26Ary Grika ilay viavy, Syro-foinika no fiaviany. Nengavy Taminanjy izy mba hamohana ny demonia mba hiala amin'ny zanagny viavy.27Hoy Izy taminanjy: "Amiao raanina alonga ny zaza. Satria tsy mety lakoa malaka mofon-jaza ka manipy izany ho an'ny kiva." 28Nefa namaly izy ka nizaka Taminanjy hoe: "Eka, Tompo, fa na de ny kiva ambany latabatra aza de mihinana ny tavitaviny amin'ny mofon-jaza."29De hoy Izy taminanjy: "Noho izqny zakanô izany, afaka minga anô. Efa niala tamin'ny zanakanô viavy ny demonia." 30Dia ndreka niherigna tagny an-dragnony raviavy de nahita ny zaza nadry takio ambony kitrara, ary ny demonia dia efa niala.31Ary nivoaka ndreka i Jesosy ka niala tamin'ny faritr'i Tyro, de namakivaky an'i Sydona hatragny amin'ny Ranomasin'i Galilia ka hatragny amin'ny faritr'i Dekapolisy. 32Ary nindônjareo takio Aminanjy ny olona reka marignina sady moà, ary nitaregna Taminanjy zareo mba hametrahany ny tagnany aminanjy.33Nitondra an-dralilahy nitôkana niala takio amin'ny fokon'olona Izy, de nanefa ny zana-tagnany tagnaty tadigniny Izy, ary ndreka avy nandrôra, de nikasika ny lelany. 34De nidraka lagnitra Izy, de nisento ka nizaka taminanjy hoe: "Efata," izany hoe: "Maladià!" 35Ary bitibitika takio de naregny ny tadigniny, ary izegny namatotra ny lelany dia potika ary de afaka nizaka mazava sara izy.36Ary Jesosy nandrara anjareo tsy hizaka na amin-jovy na zovy. Kanefa na de niraràna aza zareo, de vômeka nagnaparitaka izany bebe kokoà. 37De gaga tokoatra ny olona, ka nizaka hoe: "Naniny tsara aby ny raha jiaby. Ny marignina aza natôny naregny ary ny moà mizaka."

Chapter 8

1Tamin'izany andro zany, de nisy vaôka maro be ndreka, ary tsy nanagna ra-oanina zarô de nagnantso ny mpianatra Jesosy ary nizaka taman-jarô hoe: 2"Mampalaelo Anà vaôka togna, satria efa telo andro zariô nanoy nagnaraka Anà ary tsy nanagna ra-oanina. 3Raha aseko mande mody agny andragnony tsy omana zarô de mety ho toragna anketogna. Ny sasagny aman-jariô de avy agny alavitra be." 4Namaly Anazy zarô mpianatra hoe: "Akeza haitan-tsena mofa ampy avoky vaôka maro be togno aty an-tany foagna aty?"5Nagnontany an-jarô Izy hoe: "Firy ny mofo anagnanarô?" Hoy zarô hoe: "Fito" 6De nangnasa ny vaôka mba itoetra amin'ny tany Izy. De nirambaziny ny mofo fito, de nisôtra Izy, ka notapainy io. De natolony ny mpianatra zegny mba ho zarain-jarô amin'ny vaôka, ary napetrakan-jarô tiô aloan'ny vaôka zany.7Ary mbola nanagna lôkan-drano vitsy hiany koa zariô, ka rehefa avy nisôtran'ireo Izy, de nagnasa ny mpianatra mba handroso izany koa Izy. 8De nihinana zarô ka voky, ary nalen-jarô ny ambiny tavela, de nafeno fito tanty be 9Mety ho efatr'arivo tiȏ ny olona tamin'izany. Avy tiȏ de tonga de nalefany nody zarȏ. 10De niakatra tan-dakana bitika niaraka taman-jarȏ mpianany Izy, ary nandeha ho agny amin'ny faritr'i Dalmanota zariȏ.11De nivoaka zarȏ fariseo ary nanomboka nifagnolagna taminy. Niaragna famantarana avy akagny an-dagnitra tamin-jarȏ, mba izahanana fagnahy Anazy. 12Nisento laligna tagny amin'ny fagnahiny Izy ary nizaka hoe: "Nahȏna no miaragna famantarana ity taranaka ity? Nefa zakeko amin'ariȏ marina, fa tsisy famantarana omena ity taranaka ity." 13Avy tiȏ de niala taman-jarȏ Izy, de niakatra tao an-dakana bitika ndreka, de niala lavitra ho agny agnilany.14Ary adignon'ny mpianatra nitondra ny mofo niaraka taman-jarȏ. Tsy nanagna mihotra ny reka zariȏ takȏ agnaty lakana. 15De namepetra an-jarȏ Izy ka nizaka hoe: "Membena ary mitandrema amin'ny zava-drasin-jarȏ Fariseo sy ny teti-drasin'i Heroda."16De nifagnontany tegna ny mpianatra hoe: "Nony antsena tsy managna mofo zany." 17Fantan'i Jesosy zany , de hoy Izy tamin-jarȏ hoe: "Nahȏna no amin'ny tsy fanagnana mofo ny fandinian-driȏ? Mbola tsy azon-driȏ va? Mbola tsy takan-driȏ va? Nanjary dora va ny fon-driȏ?18Managna maso an-driȏ, fa tsy mahita angaa? Managna tadigny koa anariȏ, fa tsy maregny raha nga? Tsy tadidin-driȏ mȏ va? 19Rehefa nanapaka ny mofo dimy hohan'olona dimy arivo Zao, de tanty firy no feno ambiny mofo nangonin'ariȏ?" Hoy zariȏ taminy hoe: "Roeambifolo."20Rehefa nanapaka ireo mofo fito ho an'olona efatr'arivo Zao, firy tanty ny ambiny nangonin-driȏ?" Hoy zariȏ tamin'ny hoe: "Fito tanty." 21Ary hoy Izy hoe: "Mbola tsy fantan-driȏ se mȏ va?"22Tonga tagny Betsaida zariȏ. Ary nisy jamba reka nindon'olona takiȏ amanazy ary nengavin-jarȏ Jesosy mba hikasika anazy. 23Nindon'i Jesosy tamin'ny tagnany lay jamba, ary nitondra anazy hivôka ny tanàna. Rehefa nadrora tiô amin'ny masony Izy ary nametraka ny tagnany tiô amanazy, de nagnadina anazy Izy hoe: "Mahita raha amin'izegny anô a?"24De nidraka izy, ka nizaka hoe: "Mahita olona kara kakazo mandende zao.'' 25Napetrak'i Jesosy tiô aminy masony ndreka ny tagnany, ary nabagnany lilay ny masony de niverigna tamin'ny lôniny ny fahitany, ary nahita mazava tsara ny raha rehetra izy. 26De nalefan'i Jesosy nody izy ary nizakeny hoe: "Aza miditra akô an-tanàna."27Nandea nivoaka Jesosy sy ny mpianatra hoagny amin'ny tanànan'i Kaisaria Filipo. Tegny anketogna de nagnontany an-jariô mpianany Izy hoe: "Hatôn'olona jovy mô Zao?" 28Namaly Anazy zariô ka nizaka hoe: "Jaona mpagnano batisa. Ny hafa nizaka hoe: "Elia" ary ny hafa hoe: "Reka aman-jarô mpaminagny,"29Nagnotany an-jarô Izy hoe: "Fa anarô koza magnano Anà ho zovy?" De namaly Anazy i Petera hoe: "Anô no Kristy." 30Nampitandrina an-jariô Jesosy tsy izaka ny momba Anazy na ama-jovy na aman-jovy.31Nanomboka nampianatra an-jarô Izy fa tsy simentsy hijaly ny Zanak'olona, ary tsy eken'ny loholona sy ireo lohan'ny mpisorogna ary ny mpitondra fanjakana, ary ho voniny, ka hitsangana amin'ny maty afaka telo andro. 32Nozakeny mazava tsara zany. Avy tiô nantsovan'i Petera mangingigna Jesosy ka nanomboka nizaka mafy Anazy.33Nefa nitodika Jesosy de nizaha an-jariô mpianany ary avy tiô Izy de nizaka mafy an'i Petera ka nagnano hoe: "Magnalavira Anà, ry satana! Tsy mba mandinika ny zavatr'Andriamanitra anô, fa ny zavatr'olona." 34Avy tiô de nagnantso ny vaôka sy ny mpianatra niaraka Izy, ary hoy Izy taman-jarô hoe: "Raha misy te-agnaraka Anà, de tsy maintsy mandà ny vatagny izy, mangalaka ny hazo fijaliana, ary magnaraka Anà.35Na zovy na zovy te-angavotra ny egnany de avery an'izany, ary zegny mahavery ny egnany non'ny Amanà sy ny filazantsara, de avonjy anazy izy. 36Fa ino anefa no tombotsoa azon'ny olona reka, raha mahazo zô ntontolo zô, nefa very ny egnany? 37Inona no afaka omen'ny olona reka ho talon'egnany?38Na zovy na zovy megnatra Anà sy ny ra-zakeko aketo amin'ity taranaka mijangajanga sy ny mpagnano ratsy ity, de omegnatra anazy koa ny Zanak'olona rehefa tonga ao amin'ny voninahitry ny Rainy miaraka amin'ireo anjely masina Izy."

Chapter 9

1Hoy Izy taminjareo hoe: "Zakeko amindreo marina tokoatra, fa misy amindreo izegny mitsangana aketo no tsy hagnandragna izany fahafatesana izay alohany hahitanjareo ny fanjakan'Andriamanitra izegny ho avy amin'ny hery lehibe." 2Ary enina andro taty afara, de nindesin'i Jesosy niaraka taminanjy i Petera sy Jakoba ary Jaona tagny an- tendrombohitra ambo, ary zareo reka no takagny. Avy teo de nivadika terehy takeo amasonjareo Izy. 3Nanjary nangilangilatra no sady madio, ary fotsy mioatra ny raha fotsy indrindra taketo ambony tany ny lambany.4Avy takeo Elia sy Mosesy nivoaka taminjareo, de nikorana tamin'i Jesosy zareo. 5Petera namaly ka nizaka tamin'i Jesosy hoe: "Raby ô, tsara raha mibodika aketo ansena, ka andô hagnano tragno tanty telo, ny reka ho Anao, ny reka ho an'i Mosesy, ary ny reka ho an'i Elia." 6( Fa tsy fantany izegny tokony ho zakena, satria nataotra mafy zareo.)7Nisy rahona tonga ka nanarogna anjareo. Ary nisy feo nivoaka avy takô agnatin'ny rahona hoe: "Ity no Zanako tiako. Mitonoà Ananjy." 8Tampoka takeo, ndreka nizaa ny magnodidigna zareo, de tsy nahita na zovy na zovy koza, ankoatran'i Jesosy.9Ndreka nandrorogna avy tagny an-tendrombohitra zareo, de norarana mafy mba tsy hizaka na aminjovy na zovy ny raha jiaby hitanjareo, raha tsy efa mitsangana amin'ny maty ny Zanak'Olona. 10Ary de nitananjareo izany zaka izany, nefa nifagnadina zareo ny amin'ny mety ho dikan'izany "fitsanganana amin'ny maty" izany.11Nagnadina Ananjy zareo hoe: "Nawana zareo mpitondra fanajakana no magnambara fa tsy mentsy ho avy alohan'ny fotoana i Elia?" 12De hoy Izy taminjareo hoe: "Efa tonga voalohagny Elia hagnarina ny raha jiaby. Ary nawana no voasoratra fa ny Zanak'Olona de hijaly mafy amin'ny raha maro ary hatô kara ny olona tsy misy dikany? 13Nefa zakeko amindreo fa efa tonga Elia, ary natôn'ny olona aminanjy izegny miniminim-pony, araka izegny efa vozakan'ny Soratra Masina momba ananjy."14Ary ndreka nierigna takeo amin'ny mpianantra zareo, de naita olo-maro nagnodidigna anjareo ary zareo mpitondra fanjakana niady hevitra taminanjy. 15Raha vô nahita an'i Jesosy zareo, de gaga ny vaoaka jiaby ary ndreka nihazakazaka nagnatona Ananjy zareo de nifagnontsafa taminanjy. 16Nagnandina anjareo mpianany Izy hoe: "Momba ny ino no raha hiadiandreo hevitra aminjareo?"17Ary nisy reka tamin'ireo vaoaka namaly Ananjy hoe: "Mpampianatra o, nindesiko ho aketo Aminô ny zanako lilahy. Misy fagnahy ratsy tsy mampizaka ananjy izy. 18Manambotra ananjy ka mandavolavo ananjy ary mampandoa vory ananjy, mikatri-nify izy, ary manjary mifanintogna. Nangao taminjareo mpianatrao ny tegnako mba hamoaka izany hiala aminanjy, kanefa tsy vitanjareo izany." 19Ary namaly anjareo Izy hoe: "Ry taranaka tsy mino, mandra-pahoviana no hibodiako aketo amindreo? Mandra-pahoaviana no handiferako amindreo? Andeso aty Aminay izy."20Ary nindesina takeo Aminanjy ilay zaza lilahy, ary ndreka vô nahita an'i Jesosy ilay fagnahy ratsy, de nampifanintosintona ananjy izany. Lavo tamin'ny tany ilay zaza lilahy ary namory ny ranovavany. 21Jesosy nagnadina ny iabany hoe: "Letr'oviana no naha karan'izô ananjy?" Dia hoy ny iabany hoe: "letra izy mbola bitika." 22Ndrekindreka io fagnahy ratsy io de nandavo ananjy tagnaty afo na tagnaty rano ary nagnano izegny hapotika ananjy. Raha mahè magnano ny raha jiaby Anô, de mamindrà fo aminè ary tahio zehè."23Jesosy nizaka taminanjy hoe: "Raha mahè anô? 24Ny raha jiaby de hain'ny manam-pinoana." Ary niaraka tamin'izegny iaban'ilay zaza de niheka mafy nagnano hoe: "Mino zaho! Tahio zaho amin'ny tsy finoako!" 25Ndreka hitan'i Jesosy ireo vaoaka nihazakazaka nagnatogna Ananjy, de nizakeny mafy ilay fagnahy maloto ary nagnano hoe: "Ry fagnahy tsy mizaka sy maregnina, mandidy anô Zaho, mivoaha aminanjy, ary aza mierigna midita aminanjy kôza."26Nihekeka mafy izany ka nampifanintogna mafy ilay zaza lilahy ary nivoaka avy takeo. Kara olona maty ilay zaza lilahy, ka maro no nizaka hoe: "Maty izy." 27Fa Jesosy nandramby ny tagnany ka nagnarina ananjy, de nitsangana ilay zaza lilahy.28Ary ndreka niditra takô an-dragno i Jesosy, de nagnadina Ananjy zareo mpianany hoe: "Naoana zehè no tsy nahavoaroaka ilay fagnahy ratsy?" 29Hoy Izy taminjareo hoe: "Ny karan'iregny de tsy afaka roasina raha tsy amin' ny alalan' ny vavaka."30Niala takeo zareo ary nandalo tagny Galilia. Tsy tiany ho fantan-jovy na zovy hoe avy teza zareo, 31fa nampianatra anjareo mpianany Izy. Hoy izy taminjareo hoe: "Ny Zanak'Olona dia hamiana ho an-tagnan'ny olona, ka ho voninjareo Izy. Ary ndreka voavono Izy, de hitsangana amin' ny maty ndreka afaka telo andro." 32Fa tsy azonjareo io fagnambaràna io, ary nataotra ny agnadina Ananjy zareo.33Avy teo de tonga tagny Kapernaomy zareo. Ndreka avy niditra tan-dragno Izy de nagnadina Ananjy zareo hoe: "Ino ny raha nifampikoranandreo tan-dalana?" 34Fa nangina zareo. Satria niady hevitra tegny an-dalana zareo ny amin'izegny lehibe indrindra. 35Nitoetra Izy, ary nantsovany niaraka zareo roy ambin' ny folo lahy ary nizaka Izy hoe: "Raha misy magniry ny ho voalohagny, de tsy mentsy farany amin'ny jiaby izy ary ho mpanompon'ny olona jiaby."36Nalaka zaza bitika reka Izy ary natôny takeo antegnantegnanjareo. Nibateny tan-tagnany izy ary nizaka taminjareo hoe: 37"Na zovy an zovy mihevitra ny zaza kara izô amin'ny agnarako, de mihevitra Ananjy koa izy, ary la ôhatra ka misy mihevitra Anay, de tsy mihevitra Anay reka fôgna izy, fa Ilay nagniraka Anay koa."38Hoy Jaona Taminanjy hoe: "Mpampianatra o, nahita olona namoaka devoly tamin' ny agnaranô zehè ary niraranè izy, satria tsy magnaraka ansena." 39Fa Jesosy nagnano hoe: "Aza raràna izy, fa tsy misy olona hagnano asa lehibe amin'ny agnarako nefa bitibitika fôgna afaran'izany de hagnano laza ratsy momba Anay.40Na zovy na zovy tsy manohitra ansena, de miaraka aminsena. 41Na zovy na zovy magnomia rano tasy reka ho sotroinô satria miaraka amin'i Kristy anô de zakeko aminô marina tegnany, fa tsy very ny valin'ny raha nanìny.42Fa na zovy na zovy manafintohina ny reka aminjareo mino Anay, de tsara ho ananjy ny agnantognana vato maventy fikoseham-bary mifatotra amin'ny ambozogny ary havarigna agny an-dranomasina. 43Raha ny tagnano no mahatonga anô ho tafitohina, tapaho izany. Fa tsara aminô ny miditra manan-kilema agny amin'ny fiegnana tahatry managna tagnan-droy ka inga agny amin'ny helo, agny amin'ny afo tsy maty vonina. 44[Fagnamarinana: Ny fandikana tegna tsara de tsy magnatô ny fehezateny akô amin'ny andininy 44 sy 46 hoe: Izegny tsy mety maty ny ankagna akô amin'izany ary ny afo de tsy ho faty mandrakizegny.'"]45Raha ny ongonô no manafintohina anô, de tapaho izany. Tsaratsara aminô ny miditra misy kilema agny amin'ny fiegnana tahatry managna ongotra roy ka hariana agny amin'ny helo. 46[Zaano ny fagnamarinana akô amin'ny andininy 44]47Raha ny masonô no manafintohina anô, alao hiala izany. Tsara aminô ny miditra ny fanjakan'Andriamanitra miaraka amin' ny maso tokana tahatry maso roy ka hariana agny amin'ny helo, 48agny amin'ny toerana izegny tsy mahafaty ny ankagnanjareo, ary ny afo tsy maty vonina.49Fa ny olona jiaby de samy masina amin'ny afo. 50Tsara ny sira fa raha ny sira no manjary tsisy tsirony, de awana no hahafahanô magnamasina ananjy dreka? Atovy sira akô amindreo, ary mihavàna amin'ny tsirekireka."

Chapter 10

1Niala takeo amin'zany toerana izany Jesosy ary ninga tagny amin'ny faritanin'i Jodia sy takegny amin'ny faritra ambanin'ny Reniranon'i Jordana, ary ninga takeo aminanjy ndreka ny vaoaka. Ary kara ny fanìny, de nampianatra anjareo ndreka Izy. 2De nagnatona Ananjy zareo Fariseo mba hitsapa Ananjy ka nagnadignany hoe: "Azon'ny lilahy aniny mà ny magnombela ny vadiny?" 3De nizaka Izy hoe: "Ino megny ny raha nasen'i Mosesy nataondreo?" 4De hoy zareo hoe: "Mosesy de namela ny lilahy reka hanoratra taratasy fagnamarinana fisaraham-panambadiana ary nandefa anjareo avy teo."5De hoy Jesosy taminjareo hoe: "Noho ny ditran'ny fondreo no nanoratany an'izany lalàna izany." 6Fa tagny amboalognany no nagnanovan'Andriamanitra anjareo ho lilahy sy vavy.'7'Amin'zany antony izany de hiala amin'ny abany sy ny reniny ny lilahy ka hitambatra amin'ny vadiny, 8ary hanjary ho vatagna reka my zareo roy.' Ka tsy ho roy koza zareo, fa ho vatagna reka my. 9Ka izegny natambatr'Andriamanitra de ôka tsy ho sarahin'olombelona."10Ary ndreka tafiditra tandragno zareo, de mbola nagnerigna nagnadina mikasika izany ndreka zareo mpianatra. 11Hoy Izy taminjareo hoe: "Na zovy na zovy lilahy magnombela vady ka mangalaka viavy hafa de mijangajanga. 12Raha miala amin'ny vadiny ny viavy ka manambady lilahy hafa de mijangajanga izy."13Avy takeo zareo de nitondra ny zanakanjareo takeo Aminanjy mba hanifany tagnana, fa nivigniran'ireo mpianatra zareo. 14Fa ndreka nataka-maso an'izany i Jesosy de vignitra be Izy ka nizaka taminjareo hoe: "Avilè zamadinika hagnatona Anay ary aza sakanana zareo fa ny fanjakan'Andriamanitra de an'ny kara anjareo.15Zakeko amindreo marina tegnany, fa na zovy na zovy tsy mihevitra ny fanjakan'Andriamanitra kara ny zamadinika de tsy hiditra akô amin'izany sè izy." 16Avy teo de nibagnebagneny ireo zamadinika ireo ka nisofiny rano sady nanifany tagnana.17Ary ndreka nagnandogna ny diany Izy, de nisy lilahy niazakazaka ka nentongalitra tagnatreany, ary nagnadina hoe: "A mpampianatra tsara, ino no tsy mensy aniko mba handovako ny fiegnana mandrakizegny?" 18Jesosy nagnano hoe: "Naoana Zaho no ataonao hoe 'tsara'? Tsisy tsara ankoatran'Andriamanitra reka my. 19Fantanô ny didy hoe: "Aza mamono olona, aza mijangajanga, aza mangalatra, aza mitsagana ho vavolombelona mamesy, aza magnambaka, hajeo ny abanao sy ny reninao.'"20De hoy ilay lilahy hoe: "Mpampianatra o, efa naniko latamin'ny fahatanorako aby raha jiaby izany." 21Nagnentigna ananjy Jesosy ka tia ananjy. Ary hoy taminanjy hoe: "Misy raha reka tsy ampy akô aminô. Tsy mensy amidinô ny raha jiaby anagnanô ary amiao ny boty izany, de hanagnana fanagnana agny an-dagnitra ano. Ka magnaraha Anay." 22Fa noho izany fizakana izany de nanjombogna izy ka niala tamin'alahelo, satria nanagna fanagnana marobe tokoatra izy.23Nagnintigna ny magnodidigna Ananjy i Jesosy ary nizaka taminjareo mpianagny hoe: "Tegna sarotra ho anjareo mpanagna ny miditra ny fanjakan'Andriamanitra!" 24De magnana tamin'ny zakany zareo mpianatra. Fa hoy ndreka i Jesosy taminjareo hoe: "Anaka, sarotra ny hidirana akô amin'ny fanjakan'Andriamanitra! 25Tsotsotra kokoa amin'ny rameva ny misofoka amin'ny vody filo, tahatra ny hisofoan'ny mpanankariana ako amin' ny fanjakan'Andriamanitra."26De mbola magnana ndreka ny mpianatra ary dia nifagnadina zareo hoe: "Zovy andrika no azo vonjena?" 27Nizaa anjareo i Jesoy ary hoy Izy hoe: "Tsy vitan'olona izany, fa vitan'Andriamanitra anìna." 28De nagnandogna nizaka taminanjy i Petera hoe: "Zaano, zehè togna de nahafoy ny raha jiaby anagnane ary nagnaraka Anao."29Ary hoy Jesosy: "Zakeko marina amindreo, tsisy olona nahafoy ny tragnony, na ny tamboka reka aminanjy, na ny mamany, na ny abany, na ny zanagny, na ny taniny noho ny Aminay, sy ny Filazantsara, 30ka tsy mahazo in-jato mierigna amin'izô taonjato izô: de tragno tamboka reka, reny, zanaka sy tany, miaraka amin'ny fagnenjehana, ary amin'ny taonjato ho avy, de fiegnana mandrakizegny. 31Fa maro ny voalognany no hanjary farany, ary ny afara hanjary voalognany."32Takegny anketogna zareo, hiakatra ho akagny Jerosalema, ary Jesosy ninga talohanjareo. Magnana ireo mpianatra, ary zareo nagnaraka Ananjy tafara de nataotra. Nantsovan'i Jesosy ho akeo Aminanjy ndreka zareo roy ambin'ny folo lahy ary de nagnandogna nizaka izegny raha hidogna Aminanjy tsy ho ela Izy. 33"Antegno, miakatra ho akangny Jerosalema ansena izô, ary ny Zanak'olona de hamiana ny mpisorognabe sy ny mpitondra fanjakana. Ho disovinjareo ho faty Izy ary amiana ny Jentilisa. 34Ireo de hagnaraby Ananjy, handrora Ananjy, handraboka Ananjy, sy hamono Ananjy. Fa afaka telo andro de hitsangana amin'ny maty Izy."35Jakoba sy i Jaona, zanak'i Zebedio nagnatogna Ananjy ary nizaka Taminanjy hoe: "Mpampianatra o, tianè raha mba ataonao izegny raha jiaby angatahinè aminô." 36De hoy Izy taminjareo hoe: "Ino no tiandreo aniko amindreo?" 37De hoy zareo hoe: "Avilè zehè hiaraka hibodika aminô akô amin'ny voninahitrao, ka ny reka akeo antagnan'ankavananao ary ny reka akeo ankavianao."38Fa Jesosy namaly anjareo hoe: "Tsy fantandreo izegny raha angawinareo. Andreo ma afaka misotro amin'ny kapoaka izegny nisotroako na hivandry ny hanìna batisa amin'izegny hagnanovana batisa Anay?" 39Hoy zareo taminanjy hoe: "Efanè izany." Ary nizaka taminjareo i Jesosy hoe: "Ny kapoaka izegny ho sotroiko, de ho sotroinareo, ary amin'ny batisa izegny agnanovana batisa Anay no hagnanovana batisa andreo koa. 40Fa izegny hibodika akeo an-tagnako ankavanana na ankaviako koza de tsy miankina Aminay izany, fa izany de ho an'ireo izegny nagnomagnana ananjy."41Refa naregny ny momban'izany ireo mpianatra folo hafa, de nagnandogna vignitra be tamin'i Jakoba sy Jaona. 42Nantsovan'ny Jesosy takeo Aminanjy zareo ary nizaka hoe: "Fantandreo fa ireo zegny eretreretina ho mpifehy ny Jentilisa de mampanompo anjareo ary ny lehibeny mibeko anjareo de magnampatra ny fahefana aminjareo.43Fa tsy tokony ho karan'izany ny amindreo. Fa na zovy na zovy magniry ny ho lehibe amindreo dia ôka izy ho mpanompondreo, 44ary na zovy na zovy magniry ny ho voalohagny amindreo de ôka izy ho andevondreo jiaby. 45Fa ny zanak'olona tsy tonga mba ho tompoina fa tonga mba hanompo, sy hagnomia ny aigny ho takalon'aigna ho an'ny maro."46Tonga takô Jeriko zareo. Ndreka niala ny tanàna niaraka tamin'ny mpianany sy ny vaoaka marobe Izy, ny zanak'i Timeo, Bartolomeo, izegny mpangataka sady tsy maita, nitoetra takeo amoron-dalana. 47Ndreka naregny izy fa i Jesosy avy agny Nazareta izany, de nagnandogna nihekeka mafy izy ary nizaka hoe: "A Jesosy Zanak'i Davida a, mandifera aminay!" 48Maro no nizakazaka an'ilay tsy maita, nizaka taminanjy mba hangina. Fa vomeka nihekeka mafy izy hoe: "A Zanak'i Davida a, mandifera aminay!"49Nibodika i Jesosy ary nampagnantso ananjy. Nantsovanjareo ilay tsy maita, ary nizakany hoe: "Mahereza! Mitsangàna! Magnantso ano Izy." 50Nariany ny lambany, ary nitsangana izy, ka ninga takeo amin'i Jesosy izy.51De namaly ananjy i Jesosy ary nizaka hoe: "Ino no tianô aniko aminô?" Hoy ilay lilahy tsy maita hoe: "Raby o, te-hibagna zaho." 52Ary hoy Jesosy taminanjy hoe: "Mingà. Ny finoanô no nahavonjy anô." De nibagna niaraka tamin'izegny ny masony, ary nagnaraka an'i Jesosy takegny an-dalana izy.

Chapter 11

1Ary raha ninga tagny Jerosalema zareo, de nagnakeky an'i Betifaga sy Betania, agny an-tendrombohitra Oliva, ary Jesosy nagniraka roy taminjareo mpianany 2ary nizaka taminjareo hoe: "Ndena minga amin'iry tanàna bitika alohansena iry. Raha vô tafiditra akô andreo, de aita zana-boriky reka mbôla tsy nidiban'olona. Vahao izy de andeso aty Aminay. 3Raha misy olona mizaka amindrio hoe: 'Nawana andreo no magnano an'izô?' De zakeo hoe: 'Misy ilàn'ny Tompo ananjy fa aerigna malady aty izy avekio."4Ninga nivoaka zareo de nahita zana-boriky reka nifatotra takeo avelagn'ny varangaragna reka takio amoron-dalana, ary nivaanjareo ny tadiny. 5Nisy olona hafa nisangana takio ary nizaka taminjareo hoe: "Ino raha anindrio, mamaha zana-boriky io?" 6De nizakendjareo taminjareo ny zakan'i Jesosy taminjareo, ary navelan'olona ninga tamin'ny lalany zareo.7Ary nindesinjareo mpianatra roy lahy takeo amin'i Jesosy ny zana-boriky de natôny takeo ambon'izany ny lambanjareo ka afaka nideba an'izany i Jesosy. 8Maro ny olona namelatra ny lambany tegny an-dalana, ary ny sanagny koza namelatra tagnantagnan-kakazo izegny avy nitapahiny avy tagny agnaty ala. 9Izegny ninga talôa sy izegny nagnaraka Ananjy de nagnantsoantso hoe: "Hosana! Deraina ilay tokana avy amin'ny agnaran'ny Tompo. 10Deraina ny fanjakana ho avin'i Davida iabansena! Hosana ho an'ny agnambo indrindra!"11Avy teo Jesosy niditra takô Jerosalema ka ninga takeo an-tokontanin'ny fengonana ary nizaazaa ny raha jiaby. Ary, niahalina ny andro, de namantagna tagny Betania Izy sy zareo roy ambin'ny folo lahy. 12Ny andro nagnaraka, ndreka nierigna avy tagny Betania zareo, de refogna Izy.13Ary naita kakazo aviavy reka nandrobogna avy taràgna lavidavitra, dia nagnatona Izy mba hizaa raha misy isiny takeo aminanjy, ary ndreka ninga takeo amin'zany Izy, de tsy naita na ino na ino afa-tsy raviny fogna, fa tsy mbola tsy taom-pamoazan'ny aviavy tamin'io. 14Ary Izy nizaka tamin'izany hoe: "Tsy hisy hihinana isiny avy aminô kôza mandrakizegny." Ary regnin'ny mpianany izany.15Ninga tagny Jerosalema zareo, ary niditra takeo an-tokontanin'ny fengonana Izy ary nentomboka nanora ny mpivarotra sy ny mpivanga jiaby takô. Naongagny ny latabatranjareo mpanakalo vola sy ny sezanjareo mpivarotra voromelala. 16Tsy nambela na zovy na zovy hitôndra raha azo amidy takô an-tokontanin'ny fengonana Izy.17De nampianatra anjareo Izy ka nizaka hoe: "Mà tsy efa voasoratra hoe: 'Ny tragnoko dia ansôvana hoe tragno fivavahana ho an'ny firenena jiaby?' Nefa natôndrio lavaka fivonian'ny mpangalatra." 18Regnin-jareo lohan'ny mpisorogna sy ny mpitondra fanjakana izegny raha nizakeny, de niaragna fomba hamomoana Ananjy zareo. Kanefa nataotra Ananjy zareo satria ny vaoaka jiaby de gaga tamin'ny fampianarany. 19Ndreka alina ny andro, de niala tan-tanàna zareo.20Ary ndreka ninga zareo ny mandrena, de naita ilay kakazona'aviavy nalazo ambam-bahany. 21Ary Petera nahatsiaro ka nizaka hoe: "Raby o, zaano! Nalazo ilay aviavy nozogninô."22Jesosy namaly anjareo hoe: "Manàgna finoana an'Andriamanitra. 23Zakeko amindrio marina tokoatra fa na zovy na zovy mizaka amin'ity tavirana ity hoe: 'mitsanagàna ka milavoà agny an-dranomasina,' ka lakoa tsy misy fisalasalana agnaty fony fa mino fa hitranga aminanjy izegny nizakeny, de karan'izany no atôn'Andriamanitra.24Noho izany de mizaka amindreo Zaho hoe: "amin'zegny ivavandrio sy angatahindrio jiaby, minoa fa efa nahazo izany andreo, de ho azondreo izany. 25Ndreka mitsangana sy mivavaka andreo, de tsy mensy mamela izegny alaelo jiaby anangnandreo amin-jovy na amin-jovy, mba ho avelan'i Babandreo Izegny agny an-dagnitra my koà ny fahotandreo. 26[Fagnamarinana: Ny fandikana tegna tsara de tsy mentsy magnatô ny hoe (zaano akô amin'ny Mat. 16: 15) Mk. 11: 26 "Fa raha tsy mamela heloka koza andreo , de tsy hagnombela ny fahotandreo tegnany tokoatra ny Babandreo izegny agny an-dagnitra."]27De niakatra tagny Jerosalema ndreka zareo. Ary ndreka ninga nadiandiaa takeo an-tokontanin'ny fengoanana Jesosy, de tonga nangnatogna Ananjy ny lohandohan'ny mpisorogna, ny mpitondra fanjakana, ary zareo loholona. 28Hoy zareo taminanjy hoe: "Fahefana avy teza no hagnanovanô an'iregny raha iregny, ary zovy no nagnomia fahefana Anô hagnano an'iregny?"29Jesosy nizaka taminjareo hoe: "Hagnomia fagnontaniana reka andreo Zaho. Zakeo Aminay de zakeko amindreo hoe fahefana avy takeza no agnanovako iregny raha iregny. 30Ny batisan'i Jaona, avy agny an-dagnitra va izany sa avy amin'olona? Valiao Zaho."31Nifandinika niaraka zareo sady nifamaly hoe: "La mamaly ansena hoe: "Avy agny an-dagnitra, 'de hizaka Izy hoe: 'Fa naoana andrika no tsy nino ananjy andreo?' 32Fa la mamaly koza ansena hoe: 'Avy amin'olona,' ..." Nataotra ny olona zareo, satria resy lahatra ny olona jiaby fa i Jaona de tegna mpaminagny tokoatra. 33Avy takeo zareo namaly an'i Jesosy hoe: "tsy fantanè." De hoy Jesosy taminjareo hoe: "Zaho my koà de tsy hizaka amindreo hoe fahaefana avy teza no agnanovako iregny raha iregny."

Chapter 12

1Nanomboka nampianatra an-jariô tami'ny alalan'ny fagnoarana Jesosy. Hoy Izy hoe: "Nisy lilay nagnano tanim-bôloboka, de nagnano vala nagnodidigna anazy, sady nagnano lavaka famiazana." Nagnano tilikambo izy de avy tiô de nampagnofa ny tanim-bôloboka tamin'ny mpamboly vôloboka. De ninga nandia lavitra izy avy tiô. 2Tamin'ny fitoana mety, de nagniraka mpanompo hôagny amin'ny mpamboly vôloboka izy mba angalaka aman-jarô sasagny amin-jariô izay tokony anjarany amin'ny tanim-bôloboka. 3Fa nosamboron-jariô izy, nivangoany ra, de nitoravany tsy nitondra na ino na ino.4Nagniraka mpiasa afa inga aman-jarô ndreka izy, de nifren-jarô tamin'ny lohany sady nalany baraka. 5De mbola nagnondefa afa ndreka izy, novonoin-jariô io reka io. Natôn-jariô karan'izegny fogna ny maro hafa, niraboiny ny sasagny de novoniny koa ny hafa.6Mbola managna olona reka asena izy, de zanaka tiany. Izy no farany nalefany tama-jarô. Hoy izy hoe: " Mba agnaza ny zanako lay my nga zaiô." 7Nefa nifampikorana zariô mpamboly vôloboka hoe: "Ity ny mpandova. Niany, andô vonintsena izy, de ho lasantsena ny lova."8Nosamborin-jariô izy, de novonoina, ary natipiny tagny avelagny tanim-bôloboka. 9Koa ino arika atôny tompon'ny tanim-bôloboka? Ho tonga izy ka andravan-jarô mpamboly vôloboka de agnome ny tanim-bôloboka ho an'ny afa.10Tsy novakinarô nga soratra masina zô? "Ny vato tsy nekeny mpagnano tragno, no natô vato fehijoro. 11Avy tagny amin'ny Tompo zany, de mamagnana akiô amasontsena." 12Niaragna anamborana an'i Jesosy zariô, fa sengy nataotra ny vaôka, satrian fantan-jarô fa fanoerana an-jariô no nizakany zany fagnoarana zany. Koa de nambelan-jariô Izy de lasa nandia zarô.13De nagnasa ny Fariseo sy Herodiana sasagny ho agny Aminy mba amitaka Anazy amin'ny zakan-jariô. 14Ra tonga zariô, de hoy zarô taminy hoe: "Mpampianatra ô, fantane fa tsy mivakiloa ny evitr'olona anô, ary tsy mampiseo ny fengarana aman'olona. Mampianatra marina ny lalànan'Andriamanitra Anô. Ara-dalalàna ve sa tsy ara-dalàna no mandoa vola hetra amin'i Kaisara? Tokony andoa vola atao hetra ve ze sa tsy mandoa?" 15Fa fantan'i Jesosy ny fetsaram-belatsin-jariô ka nizaka an-jariô hoe: "Nagnino andriô no mizaha fagny anà? Itondre denaria reka Zao mba zahanako anazy."16De nitondran-jariô vola reka Jesosy. Hoy Izy taman-jariô hoe: "Tarehin-jovy ty sary sy soratra ty?" Hoy zariô hoe: "An'i Kaisara." 17Hoy Jesosy hoe: "Amezo an'i Kaisara zegny an'i Kaisara, ary amezo an'Andriamanitra zegny an'Andriamanitra." De magnana taminy zariô.18Avy tiô zariô Sadoseo, de nizaka fa tsisy fisanganana amin'ny maty, de tonga tiô aminy. Nagnadina Anazy zarô, nagnano hoe: 19"Mpampianatra ô, nanoratra an'izô ho ane Mosesy hoe: "Ra maty ny tambokireka amin'ny lilay reka ka nagnombela vady izy, nefa tsy mba nanan-janaka, de tokony ho vadin'ny tambokoreka amin'ny lilay efa maty izy, ka anagna taranaka ho an'ny tambokireka amanazy izy."20Nisy olona fito tambokoreka; nanambady ny volognany de maty, tsy nagnombela taranaka. 21Avy tiô de nangalakan'azy ny faharoe de maty, tsy nagnombela taranaka koa, de karan'izegny koa ny faha telo. 22Tsisy nagnombela taranaka zariô fito. Tamin'ny farany de maty koa ny viavy. 23Amin'ny fitsanganana amin'ny maty, ra isangana ndreka zariô, de zovy no vadiny amin-jariô fito tambokireka? Satria samby nanambady anazy aby daolo zariô fito tambokireka."24Ary hoy Jesosy hoe: "Tsy zany va no antony mahadiso hevitra andriô, tsy fantandriô na ny soratra masina na ny herin'Andriamanitra? 25Satria ra misangana amin'ny maty zariô, de tsy manambady na alefa ampekarin'olona, fa ho karan'ny anjely angy andagnitra.26Fa momban'ny fisangananan'ny vatagna amin'ny maty, tsy novakin-driô va takô amin'ny bokin'i Mosesy, akô amin'ny andalana momban'ny voaroy, nikoranin'Andriamanitra tamin'izany ka nizakany hoe: " Zao no Andriamanitr'i Abrahama sy Andriamanitr'Isaka ary Andriamanitr'i Jakoba? 27Izy de tsy Andriamanitry ny maty, fa an'ny velona. Seky diso evitra an-driô."28Nisy reka taman-jarô mpitondra fanjakana avy niteno ny zakan-jariô; itany fa novalin'ny Jesosy tsara zariô. Ary nagnadina Anazy izy hoe: "Ino ny didy lehibe indrindra amin'ny didy manontolo?" 29Jesosy namaly hoe: "Tsonoé tsara ry Isiraely fa ny Tompo Andriamanitra antsena, de Tompo reka my. 30Tsy mentsy mankatià ny Tompo Andriamanitranô amin'ny fonô jiaby anô, amin'ny fagnahinô jiaby, amin'ny segnanô jiaby, sy amin'ny herinô jiaby"!. 31Ity ny didy faha roa: "Tsy maintsy mankatià ny namanô karan'ny tegnanô anô! Tsy misy didy afa lehibe mihoatra anio.32Hoy ny mpitondra fanjakana hoe: "Tsara zany, ry mpampianatra! Nizakenô marian fa Andriamanitra de Reka, ary tsy misy hafa ra-tsy Izy. 33Ary mankatià anazy amin'ny fo jiaby sy amin'ny segna jiaby sy ny hery jiaby, ary ny mankatià ny namana karan'ny tegnan-tegna, de tsara lavitra mihoatra ny fanatitra oroana sy ny sorogna mantolo." 34Rahefa hitan'i Jesosy fa nagnome valindra zakena matotra izy, de nizaka tamanazy Izy hoe: "Akaiky ny fanjakan'Andriamanitra anô." Ary tafaran'izegny, de tsy nisy olona natsahy nametraka fanontaniana tamin'i Jesosy koza.35Namaly Jesosy, raha nampianatra tiô amin'ny fiangonana Izy; de hoy Izy hoe: "Ahôna ma no izakan'ny mpagnano fanjakana fa Kristy de zanak'i Davida? 36Davida tegnany, tamin'ny Fagnahy masina, nagnano hoe: "Ny Tompo nizaka Tami'ny Tompoko hoe: Mipetraha akiô amin'ny tagnako ankavana, mandrapa agnamboarako ny fahavalonô ho fitoeran-togotra anô! 37Davida tegnany aza nagnantso Anazy hoe: "Tompo; ka nahôna no maha zanak'i Davida an'i Kristy?" Niteno Anazy tam-pifaliana zarô vaôka maro be .38Tamin'ny fampianarany Jesosy de nizaka hoe: "Mitandrema aman-jarô mpitondra fanjakana, zay tia mandiadia amin'ny akanjo lava ary tian-jariô amenan-tsafa akegny antsena, 39ary tian-jariô mahazo sezy vôlognany fogna zariô amin'ny Synagoga sy ny toerana vôlognany agny amin'ny fety . 40Mandrobaka ny tragnon-jariô mpagnano tegna zariô, ary magnano vavaka lavabe mba ho itan'olona. Zany lilay zany de azo fagnameloana lebe tokoa."41Avy tiô Jesosy de nitoetra tandrifin'ny vata fagnatovana rakitra tiô amin'ny faritry ny tempoly; nizaha ireo olona jiaby izay nandrosaka ny vola takô amin'ny vatan-drakitra. Mpanankarena maro no nandasaka vola bedeba. 42De nisy viavy mahantra mpitondrategna reka tonga nandasaka farantsakely roa izay kely variroaventy oharina amin'ny iraimbilanja.43De nantsovany zariô mpianany ary hoy Izy taman-jarô hoe: "Zakeko aminariô marina tokoa, fa ity viavy mahantra mpitondra tegna ity no nandasaka be mioatra amin'olona zay nandasaka vola tiô amin'ny vatan-drakitra. 44Satria ny marobe de nagnome tamin'ny fanagnamben-jariô. Fa ity mpitondra tegna ity koza de amin'ny fahantrany, de nandrosaka ny vola manotolo zay tokony ivelomany takô izy."

Chapter 13

1Rehefa niala tiô an-tokotanin'ny fiangonana Jesosy, de nizaka tamin'Azy ny reka tamin'ny mpianatra hoe: "Mpampiatra ô zahano meny atsaran'ny vato sy ny atsaran'ny rafitra!" 2Zô nizakeny taminazy hoe: "Itanô va togna rafitra agnona be togna? Tsisy vato nade reka avela mifanongoà akiô ka tsy ho robaina."3Ary ra nitoetra tiô an-tampotaviran'Oliva tandrifin'ny fiangonana Izy, de nagnadignan'Azy moramora Petera, Jaona, Jakoba sy Andrea hoe: 4"Zakiô aminay, oviana mà no hatongavany zany raha maro be zany? Ino avekiô ny marika ra ho tonga rà izany?"5Ary Jesosy nanomboka nizaka taman-jarô hoe: "Mitandrema fa sô de misy olona amitaka lalana an-driô. 6Fa maro no ho tonga amin'ny agnarako ka izaka hoe: "Zao no izy, ary maro no voafitagny."7Rehefa maregny ady sy tabataban'ady andriô, de aza magnahy; tsy maintsy tonga zany, fa tsy mbola zany ny farany. 8Fa hisy firenena hitsangana amango firenena , ary hitsy fanjakana amango fanjakana. Ary hisy horohoron-tany koa amin'ny faritra maro, sady hisy solôna. Otran'izany ny fagnandognavan'ny fahorin'ny famerana.9Mitandrema my an-driô. Ho atolotra an-jariô eo amin'ny Synedriona anarô, ary ho raboina ao amin'ny synagoga. Hitsangana aloan-jariô mpanapaka sy jariô mpanjaka nony Amiko anariô, ho vavolombelona aman-jarô. 10Fa ny filazantsara de tsy maintsy ambara amin'ny firenena jiaby aloaka.11Rehefa manambotra sy mitory an-driô zariô, de aza matahotra amin'izegny tokony hizaken-driô. Fa amin'izegny fotoana zegny, de amenan-driô zay tokony zaken-driô; tsy anarô no izaka, fa ny fagnahy masina. 12Ny tambokoreka hitory ny tambokoreka amanazy ho faty, ary ny ibany hitory ny zanagny. Ny zanaka hiady amin'ny iabany sy ny reniny ka amono an-jarô. 13Tsy ho tian'olona jiaby anariô non'ny Agnarako. Fa na zovy na zovy mavandry atramin'ny farany, de ho voahavotra zany olona zany.14Fa raha itandriô fa misangana amin'izay tokony tsy hisanganany ny favetavetan'ny fandravana (ôka hisegna zegny mamaky), de ôka zegny avy agny Jodia mantolo hilefa agny an-tampotavirana, 15zegny avy agny an-tafotragno ôka tsy androrogna andragno na hamoaka raha avy akô , 16ary zegny avy agny an-tanim-boly tsy hierigna angalaka ny lambany.17Lozan-jariô viay bevoka sy mampinono amin'izany andro zany! 18Mivavahà anariô mba tsy ho amin'ny rirignina no hitrangan'izany. 19Fa hisy fahoriana be, zegny mbola tsy nisy hatramin'izegny, rehefa namorona zô ntontolo zô Andriamanitra, ka atramin'izô, ary mandrakizay tsy hitsy intsony zany. 20Ary raha tsy nafohizin'ny Tompo zany andro zany, de tsy hisy olona ho vohavotra koza. Fa non'ny olm-boafidy, zegny nofidiny, de nafohiziny isan'izany andro zany.21Ary ra misy olona mizaka aminarô hoe: " Antengo, aty lay Kristy! na koa hoe: "Antegno, arý Izy! de aza mino an'izany. 22Fa hisy Krisity sandoka sy mpaminagny sandoka hiseho ary amoaka famantarana sy fahagagana, mba hamitahana, na de ny olom-boafidy aza, raha azony, atô. 23Membena! Efa nozakeko taminarô mialoa ny fotônan'io ra mantolo io.24Kanefa hafaran'io fahorian'io, de homizigna ny masoandra, ny volana tsy hagnome fahazavana, 25ireo kintana hiraraka avy egny amin'ny lagnitra, ary ireo hery izay ao an-dagnitra hetseketsehina. 26Ka ho hitan-jariô ny Zanak'Olona avy egny amin'ny rahogna amin'ny hery lehibe sy voninahitra. 27Ary hagnasa ny anjeliny Izy ka hanangona miaraka ny olom-boafidiny avy agny amin'ny vazantany efatra, avy agny amin'ny faran'ny tany ka atragny amin'ny faran'ny lagnitra.28Makà lesona avy amin'ny kakazon'aviavy, Raha vô manarogna sy mandravina ny tagnantagnany , de fantanarô fa ho avy ny loatôna. 29Toy izany koa, raha vô hitanariô mitranga zegny zavatra rehetra zegny, de fantanarô fa efa marivo Izy, manakeky ny vavahady.30Zakeko amin-driô, marina tsara, itogna taranaka itogna de tsy lany tamingana se madra-pivoahany raha jiaby zany. 31Ho potika ny lagnitra sy ny tany, fa ny ra-zakeko koza tsy ho potika mandrak'izegny. 32Fa ny mikasika zany andro sy fotôna zany, de tsisy mahafantatra nade zariô anjely agny andagnitra agny aza, na ny Zanaka fa ny Ray my.33Mitandrema! Miambena satria tsy ho fantan-driô ny fotôna. (Fagnamariana: ireo fahefana taloha de hoe: Mitandrema! Miambena de mivavaha, satria...) 34Zegny de kara lilay reka nande lavitraˍniala ny tragnony izy ka ny mpanompony no naseny hikarakara ny tragnony, samby amin'ny asa atôny aby, ary nanome beko ny mpiambina izy mba tsy oandry.35Ka membena fa tsy fantan-driô na oviana no hotonga ny tom-potragno; mety amin'ny folak'andro zany, na amin'ny sasak'alina, na magneno akoho, na mandrena. 36Fa raha avy tampoka izy, de aza atô ahitan-driô mandry izy. 37Zegny zakeko aman-driô de zakeko amin'olona jiaby koa: Miambena!"

Chapter 14

1Ary roy andro talohan'ny Paska sy ny Fankalazana ny Mofo tsy misy masirasira tamin'izegny. Niaragna fomba hisambôrana an'i Jesosy mangingina zareo lohan'ny mpisorogna sy ny mpitondra fanjakana ary hamono Ananjy avekeo. 2Fa hoy zareo hoe: "Aleo tsy amin'ny andro fety, mba tsy hampiawalawala ny olona."3Raha tonga tagny Betania tao an-dragnon'i Simona boka i Jesosy raha nitoetra teo aloan'ny latabatra Izy, de nisy viavy reka nagnatona Ananjy nitondra tavoangy alabastara izegny nisy menaka magnitra lafo vidy, narda izegny tsy nisy fangarony. Novakiany ny tavoangy de nararagny teo ambony lohan'i Jesosy ny menaka. 4Nahavignitra ny olona sasagny anefa izany. Nifampikorana zareo ka nagnano taminanjy hoe: "Ino no dikan'izô fandaniandaniam-pôgna izô? 5Io menaka magnitra io de afaka namidy mioatra ny denaria telonjato, ary nizarena ho an'ny boty." De nizakazaka an-draviavy zareo.6Nefa hoy i Jesosy hoe: "Ambileo izy. Nagnino andreo no magnano izegny mampalaelo ananjy? Raha tsara no nataony taminay. 7Ny boty de aketo amindreo isan'andro afaka magnano asa soa hoanjareo fogna andreo na amin 'ny fotoana ino na fotoana ino fa Izaho kosa tsy mba hipetraka aketo amindreo isan'andro. 8Nagnano izegny azony natô izy: Nagnosotra ny tegnako ho amin'ny fandevegnana izy. 9Zakeko marina amindreo, na akeza na akeza hitoriana ny filazantsara magnerana izô tontolo izô de ho zakena koà ny natôn'ity viavy ity, mba ho fahatsiarovana ananjy."10Avy teo i Jodasy Iskariota, reka taminjareo roy ambin'ny folo lahy, ninga tagny aminjareo lohandohan'ny mpisorogna mba hahafany manolotra Ananjy. 11Ndreka naregny izany ny lohandohan'ny mpisorogna, de faly zareo ka nagnome toky fa agnome vola ananjy. De nanomboka niaragna hevitra mba hanolorana Ananjy ho anjareo izy.12Tamin'ny andro voalohagny fihinana ny mofo tsy misy masirasira, ndreka nagnano sorogna ny ondrin'ny Paska zareo, de hoy zareo mpianany Taminanjy hoe: "Akeza no tianô agnamboarana raanina mba hihinananô ny raanina amin'ny Paska?" 13De nagniraka roy lahy taminjareo mpianany Izy ka nizaka taminjareo hoe: "Mingà agny an-tanàna, ary hisy lilahy mitondra siô feno rano iaro amindreo. De magnaraha ananjy. 14Izegny tragno idirany, de akô no idirandreo ka zakeo amin'izany tompon'izany tragno izany hoe: "Akeza ny efitragno fandresam-bahiny ahafahako miara-omana ny Paska amin'ny mpianatranay, hoy ny mpampianatra?"15Agnatoro efitragno malalaka ambony rihana misy fanagnana an-dragno izegny efa vognona tsara andreo izy. Akô no anganovy ny fagnomagnana jiaby ho ansena." 16De ninga ny mpianatra ka nitety ny tanàna. Hitanjareo araka izegny efa nizakena taminjareo ny raha jiaby, de nagnomagna ny raanin'ny Paska zareo.17Ndreka maty masoandro, de tonga niaraka taminjareo roy ambin'ny folo lahy Izy. 18Ndreka nitoetra teo alohan'ny latabatra hihinana zareo, de hoy Jesosy hoe: "Zakeko marina amindreo, fa ny reka amindreo izegny miara-omana Aminay aketo de hamadika Anay." 19Nalaelo mafy zareo jiaby, ka samy nizaka taminanjy ny tsirekireka hoe: "Sode mba zaho zany?"20Jesosy namaly ka nizaka taminjareo hoe: "Ny reka amindreo roy ambin'ny folo lahy izany, ilay reka izegny miaraka magnasoboka ny mofo Aminay agnaty lasety izô." 21Fa ny zanak'olona de inga amin'ny lalana izegny efa vozakan'ny Soratra Masina momba Ananjy. Fa loza koza ho an'izany lilahy izegny mamadika ny Zanak'Olona izany. Tsara ho ananjy koa aza raha tsy tanteraka izy."22Raha mbola tam-pihinanana zareo, de nalaka ny mofo i Jesosy, nisaotra Izy, ary nizarazara izany. Nameny anjareo izany sady natôny hoe: "Reso, ity no vatagnanay." 23De nalaka kapoaka Izy, nisaotra, ary nagnomia izany anjareo, de nisotro tamin'izany zareo jiaby. 24De hoy Izy taminjareo hoe: "Ity no ràn'ny fagnekiam-piavanako, rà izegny alatsaka ho an'ny maro. 25Zakeko marina amindreo fa tsy hisotro ity vokatry ny voaloboka ity koza Zaho mandrapahatongavan'ny andro izegny hisotroako izany ndreka agny amin'ny Fanjakan'Andriamanitra."26Ndreka avy nihira fiderana zareo de ninga tagny Antendrombohitr'Oliva. 27Hoy Jesosy taminjareo hoe: "Hiala Aminay aby andreo jiaby, fa voasoratra hoe: 'Hamango ny mpiandry ondry Zaho ary hipariaka ny ondry.'28Fa ndreka avy hatsangana amin'ny maty Zaho, de inga alohandreo ho akô Galilia." 29De hoy i Petera taminanjy hoe: "Na de iala Aminô aza zareo jiaby, zaho koza de tsy mba hiala."30Hoy Jesosy taminanjy hoe: "Zakeko marina aminô, fa niany ariva, raha mbola tsy magneno in-droy aby ny akoho de efa handà Anay in-telo anô." 31Fa hoy Petera Taminanjy hoe: "Na de tsy mentsy iara-maty Aminô aza zaho, de tsy mba hiala Aminô." De samy nampanantegna karan'izany aby zareo jiaby.32Ary tonga tagny amin'ny toerana atao hoe Getsemane zareo, de hoy Jesosy taminjareo mpianany hoe: "Mitoera aketo raha mbola mivavaka Zaho." 33De nitondra an'i Petera sy Jakoba ary Jaona niaraka taminanjy Izy ary nanomboka nalaelo sady ory tegnandraha. 34De hoy Izy taminjareo hoe: "Fadiragnovagna loatra ny Fagnahiko, kara raha efa ho faty. Mitoera aketo ka miambena."35Niataka lavidavitra i Jesosy, nenkohoka tamin'ny tany, de nivavaka Izy mba hialan'izany lera izany Aminanjy raha ohatra ka azo atao. 36Hoy Izy hoe: "Aba, Ray o, ny raha jiaby de hainao atao. Alao aminay ity kapoaka ity. Nefa ôka tsy ny sitra-poko no atao fa ny Anao."37De nierigna Izy ka naita anjareo nandry, ka hoy Izy tamin'i Petera hoe: "Simona, mandry va ano? Tsy nahavita niambina na de adiny reka aby va ano? 38Miambena de mivavaha mba tsy hidirandreo amin'ny fakam-pagnahy. Ny fagnahy mety mazoto my, fa ny nofo tsy manan-kery." 39De ninga ndreka Izy niala bitika ary nivavaka, ary de nagerigna ny zaka natôny tambolognany my.40Nierigna ndreka Izy de nahita anjareo nandry, fa reraky ny torimaso ny masonjareo ary tsy fantanjareo izegny nizakena taminanjy. 41Nagnatona fagnontelony Izy ka nizaka anjareo hoe: "Mbola mandry sy melignina fogna va andreo? Ampy izegny! Efa tonga ny fotoana. Antegno ny Zanak'Olona navadika mba hamiana akeo an-tagnan' ny mpanota. 42Mitsangana; andô inga ansena. Antegno, fa efa marivo ilay hamadika Anay."43Ay raha mbola teo am-pikoranana Izy, de avy Jodasy, reka aminajreo roy ambin'ny folo lahy, niaraka tamina vaoaka maro izegny nitondra sabatra sy fioka, avy aminjareo lohan'ny mpisorogna sy ny mpitondra fanjakana, ary ny loholona. 44Ary ilay mpamadika Ananjy nagnome famatarana anajareo nizaka hoe: "izegny ifagnoroako no Izy. Sambory Izy de ambeno." 45Ndreka tonga i Jodasy, de tonga de nagnatona an'i Jesosy sady nizaka hoe: "Raby," ary de nagnoroka Ananjy izy. 46Avy teo de nisamborinjareo i Jesosy.47Fa nisy reka taminjreo nitsangana takeo namoaka ny sabatrananjy ary namango ny mpanompon'ny mpisorognabe ka nangala ny tadigniny. 48Hoy Jesosy taminjareo hoe: "Tonga hisambotra Anay, kara hisambotra dahalo, miaraka amin'ny sabatra sy langilangy va andreo? 49Taminay takeo amindreo isan'andro sady nampianatra takeo amin'ny fengonana, tsy nisamborindreo fa natô izô mba hahatanteraka ny Soratra Masina." 50De niala Taminanjy aby zareo jiaby izegny niaraka tamin'i Jesosy ary nivony.51Ary nisy tanora lilahy reka, tsy nagnato afa-tsy lamba hariry, nagnaraka an'i Jesosy. Ndreka nisamborin'ny olona izy 52de navelany teo ny lambany ka dila nilefa sady nibolegna izy.53Nindesinjareo tagny amin'ny mpisorognabe i Jesosy. Niara-nivory taminanjy takeo aby ny mpisorogna jiaby, sy ny loholona, ary ireo mpitondra fanjakana. 54Ary Petera nagnaraka Ananjy tegny lavidavitra tegny, hatragny an-tokontanin'ny mpisorognabe. Nitoetra takeo aminjareo mpiambina Izy, izegny namindro takeo amarivon'ny afo.55Ary zareo lohan'ny mpisorogna sy ny Synedriona Jiosy niaragna vavolombelona manohitra an'i Jesosy mba hahafahanjareo mamono Ananjy ho faty. Nefa tsy nahita zareo. 56Fa maro no nanandritandrika Ananjy, nefa na ny fanandritandrianjareo aza de tsy marina sino.57Ary nisy olona hafa nanandritandrika Ananjy; hoy zareo hoe: 58"Renginè Izy nizaka hoe: 'Horavako ity fengonana namboarin-tagnana ity, ary ao agantin'ny telo andro Zaho de hanangana reka hafa tsy namboarin-tagnana.'" 59Fa mbola tsy nifagnaraka my ny tandritandrika natônjareo.60Ary ny mpisorognabe nitsangana takeo aminjareo de nagnadina an'i Jesosy hoe: "Tsy managna havaly va Anao? Ino izany hanandrian'itogna olona itogna Anao izany?" 61Fa nangina Izy sady tsy nizaka na ino na ino. De mbola nangnadina Ananjy ndreka ny mpisorognabe ka nagnano hoe: "Ano va no Kristy zanak'ilay notahina?" 62De hoy Jesosy hoe: "Zaho no Izy; ary ho hitandreo ny Zanak'Olona ndreka hitoetra akeo an-tagnan-kavanan'ny herin'Andriamanitra sy avy akegny amin'ny rahon'ny lagnitra."63Ary ny mpisorognabe nandriatra ny lambany sady nagnano hoe: "Mbola mila vavolombelona ndreka va ansena? 64Efa regnindreo ny zaka ratsy. Ino no fanapahan-kevitrandreo?" Izy jiaby de samy nagnameloka Ananjy kara olona tokony ho faty. 65Ny sasagny nanomboka nadrora Ananjy ary nanarogna ny tarehiny ka namango Ananjy ary nagnano taminanjy hoe: "Maminagnià!" Ary zareo manamboninahitra nalaka Ananjy ka nandraboka Ananjy.66Ary raha takeo ambany takeo an-kianja i Petera, de nagnatogna ananjy ny reka taminjareo mpanompon'ny mpisorognabe. 67Nahita an'i Petera nitsangana namindro teo amin'ny afo izy, de nodinihiny akeky. De hoy izy taminanjy hoe: "Anô koa niaraka tamin'i Jesosy ilay Nazareana." 68Fa izy nandà izany, nagnano hoe: "Tsy fantako sady tsy azoko izegny zakenô." Avy takeo de dila niala ny kianja izy. [Fagnamarinana: Ireo fandiakana sasagny de magnampy hoe: "De nagneno ny akoho," fa ireo fandikana taloha tegna tsara de tsy magnatô an'io teny io.]69Fa ilay zaza viavy takeo nahita ananjy de nanomboka nizaka tamin'ireo olona nitsangana magnodidigna ndreka hoe: "Io lilahy io de reka aminjareo!" 70Fa mbola nandà izany ndreka izy. Bitibitika teo de nizaka zareo nitsangana takeo tamin'i Petera hoe: "Tegna reka aminjareo tokoatra anô, satria anô de Galiliana."71Fa nanomboka nagnozon-tegna sy nifanta izy, nagnano hoe: "Tsy fantako izany lilahy zakendreo izany." 72Ary niaraka tamin'izany de nagneno ampagnondroiny ny akoho. Ary avy teo de natsiaro ny zakan'i Jesosy taminanjy i Petera hoe: "Raha mbola tsy magneno ampagnondroiny ny akoho de handà Anay in-telo anô," De nalaelo mafy izy sady nitomagny.

Chapter 15

1Vô mandrena be, de nivory ny mpisorognabe niaraka taminjareo loholona sy ireo mpitodra fanjakana ary ny Synedriona Jiosy jiaby manontolo. Nifatoranjareo i Jesosy ary nindesinjareo nivoaka. Namenjareo takeo amin'i Pilato Izy. 2Nangnadina Ananjy i Pilato hoe: "Anô ma no mpanjakan'i Jiosy a?" Nivaliany hoe: "Vôzakanô." 3Nagnomia fempangana maro manohitra an'i Jesosy zareo lohan'ny mpisorogna.4Nagnadina Ananjy ndreka i Pilato hoe: "Tsy managna valin-teny ma Anô a? Zaano ny hamaroan'ny fempangana andesinjareo manohitra Anô!" 5Fa tsy namaly an'i Pilato koza i Jesosy, de nahagaga ananjy izany.6Ary tamin'ny andro firavoravoana, de namositra gadra reka ho anjareo i Pilato, gadra izegny angawinjareo. 7Niaraka taminjareo mpikomy takô am-pigadrana, takeo aminjareo mpamono olona izegny vôtana noho ny firesanjareo sikombakomba tamin'ny fikomiana, de nisy lilahy reka atô hoe Barabasy. 8De ninga takeo amin'i Pilato ny vaoaka ka nagnandogna nangao taminanjy mba hagnano izany aminjareo araka ny raha fanìny taloha.9Pilato namaly anjareo ka nagnano hoe: "Tiandreo va raha ny mpanjakan'i Jisoy no alefako ho andreo?" 10Satria fantany fa fialognana no nagnomiazan'ny lohan'ny mpisorogna an'i Jesosy taminanjy. 11Fa nagnentagna ny vahoaka zareo lohan'ny mpisorogna mba hieka mafy fa tokony i Barabasy no alefa.12De namaly anjareo ndreka i Pilato ka nizaka hoe: "Ino andrika no tokony ho anìna amin'ny Mpanjakan'i Jiosy?" 13De niekeka ndreka zareo hoe: "Fantsio Izy!"14Hoy Pilato taminjareo hoe: "Ino no ratsy naniny?" Fa niheka mafy fôgna zareo hoe: "Fantsio Izy." 15Te hagnano izegny mahafa-po anjareo i Pilato, ka de nafahany i Barabasy. Niraboiny Jesosy ary avy teo nameny mba ho fantsiana.16Nindesinjareo miaramila takeo an-kianja izy (izegny takeo antegnantegnan'ny fanjakana), ary nantsovanjareo aby ny antoko miaramila manontolo. 17Nampagnatovanjareo lamba volomparasy i Jesosy, ary nandrary fehiloha misy fasy zareo ka nagnatô izany taminanjy. 18De nagnandogna nagnansafa Ananjy zareo ary nizaka hoe: "Arahaba, ry lehinben'ny Jiosy!"19Niraboinjareo tamina volotara ny lohany sady nadrora taminanjy zareo. De nentongalitra teo agnatreany izy ary nagnano sary nidera Ananjy. 20Ndreka avy nagnaraby Ananjy zareo, de nalanjareo ny lamba volomparasiny ary nampagnanovinjareo Ananjy ny akanjony manokana ary nandônjareo nivoaka mba hamantsihana Ananjy. 21Noterenjareo ny mpandalo reka avy tagny an-kapa mba hitondra ny hazofijalian'i Jesosy lilahy reka atao hoe Simona Kyreniana iaban'i Aleksandra sy Rofosy.22Nindesinjareo miaramila takagny amin'ny toerana atô hoe Golgota Jesosy (Izegny midika hoe "Fitoeran'ny karan-doha"). 23Namianjareo divay niaro miora Izy, fa tsy nisotro izany Izy. 24De nifantsianjareo Izy ary nifampizaranjareo tamin'ny alalan' ny loka ny akanjony mba hahafantarana izegny anjara azon'ny miaramila tsirekireka.25Tamin'ny lera fahatelo Izy no nifantsianjareo. 26Ary takeo amin'ny takelaka kakazo reka no nosoratanjareo ny fempangana nanohitra Ananjy hoe: "Mpanjakan'ny Jiosy." 27Olon-dratsy roy no niaraka nifantsihanjareo niaraka taminanjy, ny reka takeo ankavanany ary ny reka koza takeo ankaviany. 28[Fagnamarinana: Ireo fandikana taloha tegna tsara de tsy magnatô ny Marka 15: 28 hoe: "De tanteraka ny Soratra Masina magnano hoe: 'Natô ho isan'ny mpanota Izy.' (Ampitaheo amin'ny Lioka 22: 35)]29Ireo izegny nandalo takeo de nagnano tsisy dikany Ananjy, nihifikifi-doha ary nagnano hoe: "Ha! Anô ilay afaka mandrava fengonana ary manangana izany agantin'ny telo andro, 30lombeo ny tegnanô ary mandrorogna avy agnambon'io hazofijaliana io!"31Ny lohan'ny mpisorona koa de nagnaraby Ananjy karan'izany, niaraka taminjareo mpitondra fanajakana, ary nizaka hoe: "Namonjy ny hafa Izy, nefa tsy mahavonjy ny tegnany. 32Oka ilay Kristy, ilay mpanjakan'Israely, handrorogna avy akegny amin'ny hazofijaliana, mba ho hitanè ary hinoanè," ary ireo nifantsihana niaraka taminanjy koà de nagnaraby Ananjy.33Tamin'ny lera fahenina, de tonga tamin'ny tany jiaby ny aizina hatramin'ny lera fahasivy. 34Ary tamin'izany lera fahasivy izany de niheka tamin'ny feo mafy i Jesosy hoe: "Eloy, Eloy, lama sabaktany?" Izegny midika hoe: "Andriamanitra ô, Andriamanitra ô, nawana Anô no mahafoy Anay?" 35Ny sasagny taminjareo izegny nitsangana takeo naregny zakany ka nizaka hoe: "Antegno, magnantso an'i Elia Izy."36Nisy olona reka nihazakazaka, nameno vinengitra ny epônzy, ary nametaka izany tamin'ny volotara, de nagnomia izany mba ho sotroiny. Ilay lilahy nizaka hoe: " 37Avile ho hitanè raha ho avy hampandrorogna Ananjy akeo i Elia." Avy teo i Jesosy niheka tamin'ny feo mafy de mafy. 38Riatra nizara roy hatra ambony ka hatragnhy ambany ny lamban'ny fengonana.39Ndreka hitan'ilay kapiteny izegny nitsangana sy nifangnatrika tamin'i Jesosy fa kara izany fomba izany no nahafaty Ananjy, de hoy izy hoe: "Tegna zanak'Andriamanitra tokoatra io lilahy io." 40De nisy viavy koa nangentina tegny lavitra tegny. Isan'izany i Maria Magdalena (renin'i Jakoba zandriny sy i Josesy), ary Salome. 41tagny Galilia de nagnaraka Ananjy sy nanompo Ananjy zareo. Ary viavy maro hafa koà no niara-niakatra taminanjy tagny Jerosalema.42Ka ndreka tonga ny hariva, satria andro Fiomagnana, izany hoe, io andro alohan'ny Sabata, 43de tonga teo i Josefa avy agny Arimatia. Mpikambana manan-kaja akô amin'ny Synedriona izy, izegny nandigny ny Fanjakan'Andriamanitra. Nanagna fahasahiana ninga tagny amin'i Pilato mba hangao ny fatin'i Jesosy izy. 44Magnana i Pilato hoe maty saady i Jesosy; de nantsovany ilay kapiteny ary nagnadina ananjy izy raha maty marina i Jesosy.45Ndreka azony antoka tamin'ilay kapiteny fa maty marina i Jesosy, de nameny an'i Josefa ny vatagna mangatsiakany. 46Ary Josefa nivanga hariry madinika. Nampandrorogna an'i Jesosy takeo amin'ny hazofijaliana izy, de nofognosiny hariry madinika Izy, ary nametraka Ananjy takô amin'ny fasagna izegny voaady tamina vatolampy. Avy takeo de namaringarigna vato takeo amin'ny varangaram-pasagna izy. 47De hitan'i Maria Magdalena sy Maria renin'i Josesy ny toerana nandivegna Ananjy.

Chapter 16

1Rehefa tapitra ny andron'ny Sabata, de nivanga zava-magnitra aosotra amin'ny fatin'i Jesosy i Maria Magdalena sy Maria ranin'i Jakoba, ary Salome nivanga ra magnitra mba andea ka agnosotra ny fatin'i Jesosy. 2Vô mandrena be tamin'ny andro vôlognan'ny erign'andro, de ninga tegny amin'ny fasagna zariô rehefa nipiriaka ny agnadro.3De nikorana zariô hoe: "Zovy no angala ny vato, akiô amin'ny varangaram-pasagna ho antsena?" 4Rehefa nidraka zariô, de hitany fa efa nivoa niala lay vato, zay tegna angona be.5Niditra takô ampasagna zariô de nahita manafo lahy nagnatô akanjo fotsy nitoetra tiô ankavanana, de magnana zarô. 6De hoy izy taman-jarô hoe: "Aza matahotra miaragna an'i Jesosy anariô, ilay Nazarena, zay nomboina. Nitsangana Izy! Tsy aketo Izy. Zahano ny tany zegny nagnambolan-jarô Anazy. 7Fa mandiana de zakiô zarô mpianatra sy Petera fa ninga alohalalanan-driô ho agny Galilia Izy. Agny no ahitanariô Anazy, arak'izegny nizakeny tamanarô."8Nivoaka zarô ka niazakazaka niala ny fasagna; natahotra sy nitam-bava zariô. Tsy nizaka na ino na ino tamin'olona zarô satria tegna natahotra be.9[Fagnamarinana: Ny fandikana taloa ny tena tsara de manala ny Marka: 16:9-20] Vô mandrena tamin'ny andro vôlognany erign'andro, tafaran'ny nitsanganany, de niseo tamin'ny Maria Magdalena aloaka Izy, zay nandroahany demonia fito. 10De lasa Maria ary nizaka ny vôvô tamaan-jarô niaraka tamin'i Jesosy, ra mbola nalahelo sy nitomagny zarô. 11Regnin-jariô fa velona Izy ary nahita Anazy izy, fa tsy nanaiky zarô.12[Ny fandikana taloa tena tsara de magnala ny Marka 16: 9-20] Tafaran'ny raha io Jesosy de niseo tami'ny tarehy hafa tamin'ny roe taman-jarô, ra ninga nandia ho an'ny antanàna zariô. 13De ninga zariô ka nizaka tamin-jariô mpianatra sisa, fa tsy mety nanaiky zariô.14[Fagnamariana: Ny fandikana taloa no tena tsara de magnala ny Marka 16: 9-20] Tafara bitika de niseo tamin'ny reka ambifolo lahy Jesosy raha mbola tiô ampinanan-kanina zariô ary nizaka mafy an-jarô Izy non'ny tsy fanekeny sy ny ditran'ny fon-jariô, satria tsy manaiky zarô zegny naita Anazy tafaran'ny nitsanganan'ny taman'ny maty. 15Ary hoy Izy taman-jarô hoe: "Mandiana agny ami'izô tontolo zô, ary torio amin'olona mantolo ny filazantsara. 16Zegny magneky sy atô batisa no vonjena, ary zagny tsy magneky koza de ho heloina.17[Fagnamariana: Ny fandikana taloa no tena tsara de magnala ny Marka 16: 9-20] Togna famantarana togna de agnaraka zay mino: Amin'ny agnarako no androan-jarô fagnahy ratsy. Izaka amin'ny fizakana vôvô zarô. 18Anambotra menaragna amin'ny tagnany zarô, ary raha mihinana raha mafaty aza zarô, de tsy ampagnino an-jarô zany. Hametra-tagnana amin'ny marary zarô de ho sitrana iregny."19[Ny fandikana taloa no tena tsara de magnala ny Marka 16: 9-20] Rehefa avy nizaka tamin-jarô ny Tompo, de nampekarina ho agny andagnitra Izy ary nitoetra takiô antagnankavan'Andriamanitra. 20De ninga zariô mpianatra nitory tegny rehetra tegny, ary ny Tompo niaraka niasa taman-jarô ary nagnamafy ny zaka tamin'ny alalan'ny famantarana zegny niaraka taman-jarô.

Romans

Chapter 1

1Paoly, mpanompon'i Jesosy Kristy de vôantso ho apostoly, vôtokana ho mpitory ny filazantsaran'Andriamanitra. 2Io lay filazantsara izegny efa nampagnantigneny meloa tamin'ny alalan'ny Soratra Masina. 3Izany de momba ny Zanagny lahy, izegny teraka avy amin'ny taranak'i Davida araka ny nofo.4Tamin'ny fitsanganana tamin'ny maty , de vômbara ho lay zanaka maherin'Andriamanitra tamin'ny herin'ny Fagnahin'ny fahamasinana Izy_ de i Jesosy Kristy Tompontsena. 5Tamin'ny alalany no nazaoantsena fahasoavana sy ny maha-apostoly amin'ny fagnaraana finoana akio amin'ny firenena jiaby, noho ny Agnarany. 6Amin'ny firenena reo, andreo koa de vôantso ho an'i Jesosy Kristy.7Ity taratasy ity de ho an'izegny akô Roma jiaby, izegny tian'Andriamanitra, izegny vôantso ho olo-masina. Ho amindreo anie ny fahasoavana , sy ny fiadanana avy amin'Andriamanitra Abantsena sy Jesosy Kristy Tompo.8Voaloagny, isaorako amin'ny alalan'i Jesosy Kristy ny Andriamanitranay noho ny amindreo jiaby, satria ny finoandreo de efa nampafantarina magneragna izô tontolo izô. 9Fa Andriamanitra no vavolombelognanay, izegny tompoiko akô amin'ny fagnahiko akô amin'ny filazantsaran'ny Zanagny, fa tsy megnina mikorana andreo Aminanjy zaho. 10Mangataka fogna zaho amin'ny vavaka aniko ny mba hanagnako fahombiazana amin'ny fomba jiaby araka ny sitrapon'Andriamanitra mba ho tonga amindreo.11Fa zaho de magniry ny aita andreo, mba hahafahako magnomia fagnomiazam-pagnahy sasantsasangny ho andreo, mba hampahery andreo. 12Izany, de magniry zaho ny mba hifankaherezantsena aketo agnivontsena, amin'ny alalan'ny finoan'ny tsirekireka aby, ny andreo sy ny anay.13Amin'izô fotoana de tsy tiako andreo tsy hahafantatra, ry rahalahy, hoe matetika zaho no managna fagniriana hagnatona andreo, (nefa zaho de voasakana mandrakizô), mba hahazaoana vokatra akeo amindreo, kara ny efa nahazaoako ny ambin'ny jentilisa my koa. 14Zaho de mpitrosa amin'ny Grika sy zareo vahiny, amin'ny kanty sy ny foka. 15Noho izany, aminay, de vognona my koà zaho ny hitory ny filazantsara ho andreo sy izegny akagny Roma.16Fa zaho de tsy megnatra amin'ny filazantsara, fa izany no herin'Andriamanitra ho fagnavotana an'izegny mino jiaby, ho an'ny Jiosy alohaka ary ho an'ny Grika. 17Fa amin'izany no hagnatoroana ny fahamarinan'Andriamanitra avy amin'ny finoana ho amin'ny finoana, araka izegny voasoratra hoe: ''Ny marina de ho velona amin'ny finoana.''18Fa ny fahavigniran'Andriamanitra de navoaka avy agny an-dagnitra manohitra ny haratsiam-pagnahy sy ny tsy fahamarinan'ny olona, izegny manakana ny fahamarinana amin'ny alalan'ny tsy fahamarinana. 19Izany de satria izegny fantatra momba an'Andriamanitra de hitanjareo maso. Fa nazaven'Andriamanitra zareo.20Fa ny poziny izegny tsy hita maso, izegny heriny tsy misy fetra sy maha-Andriamanitra Ananjy, de hita nazava tsara, nanomboka tamin'ny famoronana izô tontolo izô, tamin'ny raha izegny noforonina. Noho izany de tsy managna fialan-tsiny zareo. 21Izany de satria, na de efa nahafantatra ny momba an'Andriamanitra aza zareo, de tsy nagnomia voninahitra amin'ny maha Andriamanitra Ananjy, na koa nisaotra Ananjy. Fa koza, nanjary foka tagnaty segnany zareo, ary niha-mizigna ny fo dontonjareo.22Zareo de nizaka anjareo ho kanty, nefa de niha-nanjary foka. 23Ny voninahitr'Andriamanitra tsy mety lo de natakalonjareo ny sarin-tarehin'olombelona mety lo, vorogna, biby manan-kongotra efatra, sy ny raha mandady.24Noho izany de navarign'Andriamanitra ho amin'ny filan'ny fonjareo amin'ny fahalotoana zareo, mba ho afa-boninahitra akeo aminjareo my ny tegnajareo. 25Zareo no nanakalo ny fahamarinanan'Andriamanitra tamin'ny lenga, ary izegny midera sy manompo ny zava-boaary fa tsy lay Nahary, izegny deraina mandrakizegny. Amen.26Noho izany, navarign'Andrimanitra ho amin'ny filan-dratsy mamoafady zareo, fa ny viavinjareo de nanakalo ny fifandresany vozagnahary tamin'ny raha tsy vozagnahary. 27Kara izany koa, ny lilahy nagnambela ny fifandresanjareo miaraka amin'ny viavy ka nampirisihin'ny filan'ny nofo ho aminjareo samy zareo. Zareo de lilahy izegny nagnano raha mahamegnatra miaraka amin'ny lilahy ary nibaby takô aminajareo ny sazy izegny magneva anjareo noho ny fahavetavetanjareo.28Satria tsy nagneky ny hanagna an'Andriamanitra akô amin'ny fieritreretany zareo, de namiany segna tsy manjary zareo, mba hagnanovana izegny raha tsy mety.29Zareo de feno ny tsy fahamarinana, faharatsiana, fagniriana, ary rankinina jiaby. Zareo de feno fialognana, famonoana, fifandirana, fitaka, ary fikasan-dratsy. 30Zareo de mpikitika, mpanandritandrika, ary mpankahala an'Andriamanitra. Zareo de mahery fihetsika, miavo, ary mipoerapoera. Zareo de mpamorogna raha tsy manjary, ary zareo de tsy mangnaja ny ray aman-drininy. 31Zareo de tsy managna fahezana; zareo de tsy atokisana, tsy managna fitiavagna vôzagnahary, ary tsy managna famindram-po.32Fantanjareo ny lalàn'Andriamanitra, fa izegny magnano raha karan' izany de magneva ananjy ny fahafatesana. Fa tsy raha izany my no anìny, fa magneky ny hafa izegny magnano raha io my koa.

Chapter 2

1Noho izany de tsy managna fialantsigny anô, ry olona, anô izegny mitsara, fa izegny hitsarano ny hafa no hagnamelohana ny tegnanô. Fa anô izegny mitsara de magnano an'izany my koà. 2Ndrefa fantantsena fa ny fitsaran'Andriamanitra de araka ny marina ndreka mivarigna aminjareo izegny magnano raha karan'io izany.3Fa diniho izô, ry olona, anô izegny mitsara an'izegny magnano raha mitovy amin'izany na magnano karan'izany my koà. Ma anô hilefa ny fitsaran'Amdriamanitra? 4Sa hamevagninô ny fanagnan'ny hatsaram- pagnahiny, ny fandiferany, ary ny fahavandriany? Tsy fanatanô ma fa ny hatsaram-pagnahy de natô hitarika anô amin'ny fivalozana?5Fa izany de ho hamazagnana sy tsy fivalozan'ny fondreo no hagnangognandreo ny fahavignirana ho an'ny tegnandreo amin'ny andro fahavignirana, izany de, ny andron'ny fagnatoroana ny fitsarana marin'Andriamanitra. 6Hamaly ny olona jiaby amin'ny fatra mitovy araka izegny naniny Izy; 7ho an'izegny nahavandry tamin'ny fagnanovana ny tsara, ka niaragna ny dera, vonianahitra, ary fahamarinana, de fiegnana mandrakizegny no hamiany.8Fa ho an'izegny miaragna ho an'ny tegnany, izegny tsy magnaja ny marina fa magnaja ny tsy fahamarinana, de ho avy ny fahavignirana sy ny faharangitana. 9Andriamanitra de hitondra fahoriana sy fahasahiranana amin'ny fagnahin'ny olona jiaby izegny nagnano ratsy, amin'ny Jiosy alohaka, ary amin'ny Grika my koà.10Fa dera, laza, ary fedanana no ho avy amin'izegny magnano ny tsara, amin'ny Jiosy alohaka, ary amin'ny Grika my koà. 11Fa tsy misy fiengarana miaraka amin'Andriamanitra. 12Fa izegny nanota jiaby tsy nanagna ny lalàna de ho very tsy managna lalàna my koa, ary izegny nanota jiaby niaraka tamin'ny fagnajana ny lalàna de ho tsaraina araka ny lalàna.13Fa tsy izegny maregny lalàna no marina akeo agnatrehan'Andriamanitra, fa izegny magnatanteraka ny lalàna no nohamarinina. 14Fa zareo jentilisa, izegny tsy managna lalàna, ndreka magnano ny raha momba ny lalàna araka ny vôzagnahary, de zareo no lalàna ho an'ny tegnany, na de tsy managna lalàna aza zareo.15Amin'izany no hagnatoroanjareo fa ny asa angatahin'ny lalàna de vôsoratra akô am-ponjareo. Ny fieritreretanjareo my koà de vavolombelona ho anjareo, ary ny fisegnanjareo manokana de, na magnameloka na miaro anjareo amin'ny tegnanjareo 16ary koà amin'Andriamanitra. Izany de hitranga amin'ny andro izegny hitsaran'Andriamanitra ny tsiambaratelon'ny olona jiaby, araka ny filazantsarako, amin'ny alalan'i Jesosy Kristy.17Fa raha ohatra ka Jiosy no hangnantsovanô ny tegnanô ary miankina amin'ny lalàna sy mipoerapoera akô amin'Andriamanitra, 18ary mahafantatra ny sitrapony sy mamantatra izegny raha tegna tsara satria nampenarina lalàna anô; 19ary raha ohatra ka resy lahatra anô fa ny tegnanô de mpitarika ny tsy maita, fahazavana ho anjareo izegny akô amin'ny mizigna, 20mpagnarina ny foka, mpampianatra ny zamadinika, ary anagnanô akô amin'ny lalàna ny sarin'ny fahafantarana sy ny marina, de ahoana izany no fientrekan'izany amin'ny fomba hiegnanô ny fiegnanô?2122Ary anô izegny nampianatra ny sanagny, ma tsy mampianatra ny tegnanô anô? Anô izegny mitory manohitra ny halatra, ma anô mangalatra? Anô izegny mizaka fa tsy tokony hizangazanga, ma anô mizangazanga? Anô izegny mankahala ny sampy, ma anô mandrava fengonana?23Anô izegny faly akô amin'ny lalàna, mangala-baraka an'Andriamanitra ma anô amin'io fandikanô ny lalàna io? 24Fa "ny agnaran'Andriamanitra de efa afabaraka takeo aminjareo Jentilisa noho ny amindreo," araka izegny efa vôsoratra.25Fa mahazo tombony amin'ny famorana tegnany andreo raha ohatra ka magnaja ny lalàna, fa raha mandika lalàna andreo, de manjary tsy vôfora na de efa vôfora aza andreo. 26Arak'izany, raha olona tsy vôfora no magnaja izegny takin'ny lalàna, ma tsy ho atô ho isan'ny vôfora izy na de tsy vôfora aza? 27Ary tsy ho helohin'ilay reka izegny tsy mifora ara-bôzagnahary ma andreo raha ohatra ka magnaja ny lalàna izy? Izany de satria managna ny lalàna vôsoratra sy ny famorana andreo, nefa mbola mandika lalàna!28Fa izy de tsy Jiosy amin'ny pôzy avelagny fogna; na amin'ny famorana izegny hita amin'ny pôziny avelagny fogna. 29Fa izy de Jiosy akô agnantiny, ary ny famorana izegny an'ny fo, akô amin'ny Fagnahy, fa tsy akô amin'ny soratra. Ny fiderana ny olona kara izany de tsy avy amin'ny olona fa avy amin'Andriamanitra.

Chapter 3

1De ino andrika izany no tombontsoa anagnan'ny Jiosy? Ary ino no tombotsoan'ny famoràna? 2Tsara izany amin'ny fomba jiaby. Vôlohagny indrindra, zareo Jiosy de nagnankignana ny fagnambarana avy amin'Andriamanitra.3Fa ahoana raha tsy manam-pinoana zareo Jiosy ansanagny? Ny tsy finoanjareo ma no hahatonga ny fahatokisan'Andriamanitra tsy ho tanteraka? 4Tsy hisy tokoatra anie izany. Fa koza, avilè ho hita fa marina Andriamanitra, na de mpamesy aza any olona tsirekireka. Araka ny vôsorattra hoe: "Ho atoro amin'ny zakandreo fa olo-marina andreo, ary hatoro ndreka tonga amin'ny fitsarana andreo."5Fa raha ohatra ny tsy fahamarinantsena no mampivoaka ny fahamarinana'Andriamanitra, ino no azontsena zakena? Afaka mizaka ma antsena fa tsy marina Andriamanitra amin'ny famoahany ny fahavignirany amintsena, sa tsy izany? (Mampiasa kabarin'olombelona zaho.) 6Tsy hisy tegnany anie zany! Satria amin'ny fomba ahoana andrika no hitsaran Andriamanitra an'izô tontolo izô?7Fa raha ohatra ny fahamarinan'Andriamanitra ka magnomia fiderana maro ho Ananjy amin'ny alalan'ny afisiako, de nahoana andrika zaho no mbola tsaraina ho mpanota? 8Fa nahoana no tsy mizaka, araka ny tatitra diso izegny zakena fa zakentsena, ary koà araka ny hagnamafisan'ny sasagny fa nizakentsena hoe: "Avilè zehe hagnano ratsy, mba hiavian'ny tsara." Rariny ny fitsarana ato aminjareo.9Ka ino andrika? Magnomia rariny ny tegnantsena va antsena? Tsy izany sy. Fa antsena de efa nagnameloka ny Jiosy sy ny Grika, zareo jiaby, ho mpanota. 10Izany de araka ny vôsoratra hoe: "Tsy misy olo-marina, na de reka aza11Tsy misy na de reka aza mahafantatra. Tsy misy na de reka aza miaragna an'Andriamanitra. Dila nihataka aby zareo jiaby. 12Nanjary tsy misy ilàna ananjy koza zareo jiaby. Tsy mba magnano raha tsara, na de reka fogna aza.13Ny tendanjareo de fasagna mivavatra. Ny lelanjareo de mamitaka. Ny poizina amin'ny bibilava de ambany molotranjareo. 14Ny vavanajareo de feno ozogna ambàna lolom-po.15Ny tongotranjareo de malady amin'ny fanadatsahan-drà. 16Ny fandravana sy ny fijaliana de akegny amin'ny lalanjareo. 17Iregny olona regny de tsy nahafantatra ny lalan'ny fiadanana. 18Tsy mba misy tahotra an'Andriamanitra akeo alohan'ny masonjareo."19Amin'izô fotoana de fantantsena fa na ino na ino zaken'ny lalàna, de mivantagna akagny amin'izegny ambany lalàna. Izany de mba hahatonga ny vavan'ny tsirekireka hangina, ary mba hahazo valiny avy amin'Andriamanitra izô tontolo izô. 20Izany de satria tsy hisy nofo hohamarinina amin'ny asan'ny lalàna akeo imasony. Fa amin'ny alalan'ny lalàna no hiavian'ny fahafantarana ny fahotana.21Fa amin'izô fotoana de nampahafanatarina my koà ny fahamarinan'Andriamanitra tsy amin'ny lalàna. Noporofoin'ny lalàna sy zareo mpaminagny, 22fa izany, no fahamarinan'Andriamanitra amin'ny alalan'ny finoana an'i Jesôsy Kristy ho an'izegny mino jiaby. Satria tsy misy fagnavahana.23Fa nanota ny olona jiaby ka tsy managna ny voninahitr'Andriamanitra, 24ary zareo de hamarinina memempogna amin'ny fahasoavany amin'ny alalan'ny fagnavotana izegny akô amin'i Jesosy Kristy.25Fa Andriamanitra nagnomia an'i Kristy Jesosy ho fagnatitra amin'ny alalan'ny finoana ny ràny. Namiany ho porofon'ny fahamarinany i Kristy, noho ny tsy fizahanany ny fahotana tagny aloha 26amin'ny fahavandriany. Nisy raha jiaby izany mba ho fagnatoroana ny fahamarinany amin'izô fotoana ankehitriny izô. Izany de mba hahafahany magnaporofo fa marina ny tegnany, ary mba hagnatoroany fa Izy de magnamarina ny olona jiaby noho ny finoana an'i Jesosy.27Akeza andrika izany ny fipoerapoerana? Voafafa izany. Fa ino no antony? Ma amin'ny asa? Aha, fa noho'ny finoana. 28Manapa-kevitra zany antsena fa ny olona reka de hamarinina araka ny finoana tsy misy ny asan'ny lalàna.29Sa ny Andriamanitry ny Jiosy reka my ma no Andriamanitra? Ma tsy Andriamanitranjareo Jentilisa my koa Izy? Aika, an'ny Jentilisa koà. 30Raha tokana tokoatra Andriamanitra, de hohamarinina amin'ny finoana zareo izegny vôfora, ary zareo izegny tsy vôfora koza amin'ny alalan'ny finoana.31Foagnantsena amin'ny alalan'ny finoana andrika ma zany ny lalàna? Tsy hisy tegnany anie izany! Fa koza, magnaja ny lalàna antsena.

Chapter 4

1Ino andrika no ho zakentsena fa hitan'i Abrahama, abantsena takagny aloha araka ny nofo? 2Fa raha namarinina tamin'ny asa i Abrahama, de nanagna antony hireharehana izy, nefa tsy akeo agnantrehan'Andriamanitra. 3Fa ino no zaken'ny Soratra Masina? "Abrahama de nino an'Andriamanitra, ary nikôntina ho fahamarinana izany."4Ary ho an'izegny miasa, ny karamany de tsy kôntina ho fahasoavana, fa ho kara trosa. 5Fa ho an'izegny tsy miasa koza nefa mino fa an'lay reka izegny magnamarina ny mpanohitra an'Andriamanitra, de kôntina ho fahamarinana ny finoany.6Davida my koà de manognona tso-drano amin'ny olona izegny kôntin'Andriamanira ho marina nefa tsy miasa. 7Hoy izy hoe: "Sambatra zareo izegny vôvela heloka ary voasarogna ny fahotany. 8Sambatra izegny tsy kôntin'i Tompo heloka."9Aminjareo izegny vôfora my ma no hanongnonana izany tso-drano zany, sa aminjareo tsy vôfora my koa? Fa hoy koza antsena hoe: "Ny finoana de nikôntin'i Abrahama ho fahamarinana." 10Ka ahoana andrika no nagnisana an'izany? Tamin'i Abrahama efa vôfora, sa tamin'izy tsy mbola vôfora? Tsy tamin'izy efa vôfora fa tamin'izy mbola tsy vôfora.11Abrahama de nadre ny famantaran'ny famoràna. Izany de mariky ny fahamarinan'ny finoana izegny efa nanagnany tamin'izy mbola tsy vôfora. Ny valin'izany famantarana izany de nanjary aban'izegny mino jiaby izy, na de mbola tsy vôfora aza zareo. Midika zany fa ny fahamarinana de kôntina ho anjareo. 12Nidika koà zany fa i Abrahama de nanjary aban'ny vôfora, tsy an'izegny vôfora my fa ho an'izegny magnaraka ny dian'ny finoan'i Abrahama abantsena my koà talohan'ny tsy mbola naha-vôfora ananjy.13Fa ny fampagnantegnana tamin'i Abrahama sy zareo taranagny fa ho mpandova izô tontolo izô izy de tsy avy tamin'ny alalan'ny lalàna fa avy tamin'ny alalan'ny fahamarinan'ny finoana. 14Fa raha zareo izegny miegna amin'ny alalan'ny lalàna no mpandova, de ho foagna ny finoana, ary tsinontsino ny fampagnantegnana. 15Satria ny didy de mitondra amin'ny fahavignirana, fa ankagny amin'zegny tsy misy lalàna, de tsy misy fandikan-dalàna.16Noho izany antony izany de miseho amin'ny fotoana izany, mba hipetrahan'ny fampagnantegnana amin'ny fahasoavana ary ho azo antoka amin'ny taranak'i Abrahama jiaby_ tsy ho an'izegny ambanin'ny lalàna my, fa ho an'izegny mizara ny finoan'i Abrahama my koà. Abantsena jiaby izy, 17araka ny vôsoratra hoe: "Natôko ho aban'ny firenena maro anô." Takeo amin'ny fagnantrehan'lay natokisany Abrahama, de Andriamanitra izany, izegny magnomia fiegnana ny maty ary magnantso ny raha tsy mbola misy mba hisy.18Na de takeo aza ny raha nisy takagny avelagny, de natoky tanteraka an'Andriamanitra i Abrahama tamin'ny raha ho avy. Ka najary aban'ny firenena maro izy, araka izegny efa vôzaka hoe: "Ho kara izany ny taranakanô." 19Tsy nalemy tamin'ny finoana izy. Fantan'i Abrahama fa tsy afaka hanan-janaka izy (satria efa takeo amin'ny zato taona takeo izy). Nagneky my koà fa ny kibon'i Saraha de tsy afaka ny hitondra vohoka koza.20Nefa noho'ny fampagnantegnan'Andriamanitra, de tsy nisalasala tamin'ny tsy finoana i Abrahama. Fa koza, vô menka natanjaka tamin'ny finoana izy ary nidera an'Andriamanitra. 21Resy lahatra tegnandraha izy fa izegny nampagnantignen'Andriamanitra, de vitany anìna my koà. 22Noho izany de nikôntina ho fahamarinana ho ananjy izany.23Ary de tsy nosoratana ho an'ny tombotsoany reka fogna izany, fa nikôntina ho ananjy koa izany. 24Nosoratana ho antsena my koà izany, ho an'izegny hikôntiana an'izany, antsena izegny mino Ananjy izegny nanangana an'i Jesosy Tompontsena tamin'ny maty. 25Izy lay reka nagnomia nohon'ny fahotantsena ary natsangana mba hagnamarina antsena.

Chapter 5

1Satria namarinina tamin'ny finoana antsena, de managna fihavanana amin'Andriamanitra amin'ny alalan'ny Jesosy Kristy Tompontsena. 2Amin'ny alalany my koà no anagnantsena lalàna amin'ny finoana minga ako amin'izany fahasoavana izegny ijoroantsena izany. Miravoravoa amin'ny fahatokisana amian'Andriamanitra anè amin'ny ho avy zehè, fahatokisana izegny ho zarentsena akô amin'ny voninahitr'Andriamanitra.3Tsy amin'izany my, fa antsena my koà de mifaly akô amin'ny fahoriantsena. Fantantsena fa ny fahoriana de miteraka faharetana. 4Ny faharetana de miteraka fankatoavana, ary ny fankatoavana miteraka fahatokisana amin'ny raha ho avy. 5Izany toky izany de tsy mandiso fagnantegnana, satria ny fitiavan'Andriamanitra de efa narosaka takô am-pontsena tamin'ny alalan'ny Fagnahy Masina, izegny namiana antsena.6Fa tamin'ny mbola nalemy antsena, de maty ara-potoana ho an'ny ratsy fagnahy i Kristy. 7Fa sarotra ho an'ny olona reka ny ho faty ho an'ny olo-marina. Fa, angamba mety misy olona reka masahy maty ho an'ny olona tsara.8Fa Andriamanitra mampiseho fitiavana manokana ho antsena, satria tamin'ny mbola mpanota antsena de maty mba ho antsena i Kristy. 9Mihoatra noho izany aza, amin'izô, ndreka namarinina tamin'ny ràny antsena, de ho vôvonjin'izany tsy ho amin'ny fahavigniran'Andriamanitra.10Fa tamin'ny mbola fahavalo antsena, de nihavana tamin'Andriamanitra tamin'ny alalan' ny fahafatesan'ny Zanagny, ary mihoatra noho izany, ndreka avy nampiavanina, de ho vôvonjy amin'ny alalan'ny aignany antsena. 11Ary tsy izany my, fa antsena my koà de mifaly akô amin'Andriamanitra amin'ny alalan'ny Jesosy Kristy Tompontsena, izegny nazahoantsena izany fihavanana izany amin'izô fotoana izô.12Noho izany andrika, kara ny nidiran'ny ota tamin'ny olona reka tamin'izô tontolo izô, de kara izany koà no nidiran'ny fahafatesana tamin'ny alalan'ny ota. Ary ny fahafatesana de nipariaka tamin'ny olona jiaby, satria samy nanota aby ny jiaby jiaby. 13Tari-fisian'ny lalàna, de taketo amin'izô tontolo izô ny ota, fa tsy misy fagnisan-keloka tsy misy lalàna.14Nefa na izany aza, ny fahafatesana de nanan-kery nanomboka tamin'i Adama ka jisika tamin'i Mosesy, na de takeo amin'izegny tsy nanota kara ny tsy fankatoavan'i Adama aza, izegny tandindogn'lay ho avy. 15Nefa na izany aza, ny fagnomiazana de tsy kara ny fahadisoana. Fa raha tamin'ny alalan'ny fahadisoan'ny reka no nahafaty ny maro, de mihoatra lavitra no naton'ny fahasoavan'Andriamanitra sy ny fagnomezana avy amin'ny fahasoavan'lay olona reka, Jesosy Kristy, namiana maro noho ny jiaby.16Fa ny fagnomezana de tsy kara ny vokatra avy amin'lay reka izegny nanota. Fa amin'ny lafiny reka, tonga ny fitsarana ho fagnamelohana nohon'ny fahadisoan'ny olona reka. Fa amin'ny lafiny reka hafa, ny fagnomezana mefara amin'ny fagnamarinana de tonga tafaran'ny fahadisoana maro. 17Fa raha, tamin'ny alalan'ny fahadisoan'ny reka, no hanjakan'ny fahafatesana amin'ny reka hafa, de mihoatra lavitra noho izany ny hanjakan'ny fahafatesana amin'ny reka, de mihoatra lavitra noho izany ny hanjakan'izegny mandre ny fahasoavam-be sy ny fagnomiazana fahamarinana amin'ny alalan'ny fiegnan'lay reka, de Jesosy Kristy.18Noho izany andrika, satria tamin'ny alalan'ny fahadisoan'ny reka no nahatonga ny olona jiaby ho amin'ny fagnamelohana, de amin'ny alalan'ny asan'ny fahamarinan'ny reka my koà izany no hatongavan'ny fahamarinana amin'ny fiegnan'ny olo-jiaby. 19Fa satria avy amin'ny tsy fankatoavan'ny olona reka no nahatonga ny maro ho mpanota, de amin'ny alalan'ny fankatoavan'ny reka my koà no hahatonga ny maro ho marina.20Fa tonga takô amin'izany ny lalàna, mba ho lehibe ny fahadisoana. Nefa raha lehibe ny fahotana, de vô meka ne-lebe ny fahasoavana. 21Nisy izany mba, kara ny nanjakan'ny fahotana tamin'ny fahafatesana, de kara izany koà no hanjakan'ny fahasoavana amin'ny alalan'ny fahamarinana ho amin'ny fiegnana mandrakizegny amin'ny alalan'ny Jesosy Kristy Tompontsena.

Chapter 6

1Ino andrika no ho zakentsena? Tokony hanohy ny fahotana ma antsena mba hitomboan'ny fahasoavana? 2Tsy hisy tegnany anie zany. Antsena izegny maty nohon'ny amin'ny ota, amin'ny fomba ino ma no mbola hiegnantsena amin'izany my? 3Tsy fantandreo ma fa izegny natô batisa tako amin'i Kristy Jesosy jiaby de natô batisa takô amin'ny fahafatesany?4Ka vôlevigna niaraka taminanjy tamin'ny alalan'ny batisa ho amin'ny fahafatesana antsena. Nisy izany mba ho kara ny nananganana an'i Kristy tamin'ny maty tamin'ny voninahitry ny Ray, no andehanantsena amin'ny fiegnam-bôvô my koà. 5Fa raha mitambatra Aminanjy amin'ny endriky ny fahafatesany antsena, de hitambatra amin'ny fitsanganany my koà.6Fantantsena izany, fa ny tegnantsena taloha de nifantsihina niaraka taminanjy, mba hagnapotehana ny tegnan'ny ota. Nisy izany mba tsy ho andevozin'ny ota koza antsena. 7Izy izegny maty de nambara fa marina sady afaka amin'ny fahotana.8Fa raha maty niaraka tamin'i Kristy antsena, de mino fa hiara-belona Aminanjy my koà. 9Antsena de mahafantatra fa nitsangana tamin'ny maty i Kristy, ary tsy maty koza Izy. Tsy manjaka Aminanjy koza ny fahafatesana.10Fa raha ny momba ny fahafatesana de maty nohon'ny amin'ny fahotana Izy, maty indreka mandeha ho an'ny jiaby Izy. Kandrefa, ny fiegnana izegny hiegnany de iegnany ho an'Andriamanitra. 11De kara izany, tsy mentsy mandinika ny tegnandreo ho efa maty amin'ny fahotana my koà andreo, fa velona ho an'Andriamanitra akô amin'i Kristy Jesosy.12Noho izany de aza avela hanjaka akô amin'ny tegnandreo mety maty ny ota mba hagnarahandreo ny fikasan-dratsy. 13Aza amiana ho an'ny fahotana ny ratsambatagnandreo, ho fitovana ampesena amin'ny tsy fahamarinana. Fa amiao ho an'Andriamanitra ny tegnandreo, kara ny nitsangana tamin'ny maty izegny velona amin'izô fotoana izô. Ary amiao ho an'Andriamanitra ny ratsambatagnandreo mba ho fitôvana ampesena amin'ny fahamarinana. 14Aza avela hanjaka amindreo ny ota. Satria tsy ambanin'ny lalàna andreo, fa ambanin'ny fahasoavana.15Ka ino andrika? Tokony hanota va antsena satria tsy ambanin'ny lalàna, fa ambanin'ny fahasoavana? Tsy hisy tokoatra anie izany. 16Tsy fantandreo ma lay reka izegny agnomezandreo ny tegnandreo ho mpanompo de lay reka izegny ho hajendreo, lay reka tsy maintsy ho hajendreo? Marina izany na mpanompon'ny fahotana izegny mitarika ho akagny amin'ny fahafatesana andreo, na mpanompon'ny fagnajana izegny mitaroka ho akagny amin'ny fahamarinana.17Fa isôrana Andriamanitra! Satria efa mpanompon'ny fahotana andreo, kanefa nagnaja takô am-pondreo ny fomba fampianarana izegny namiana andreo. 18Nafahana tamin'ny ota andreo, ary natô mpanompon'ny fahamarinana.19Mizaka kara olona zaho noho ny fahalemen'ny nofondreo. Satria raha vantagny vô nagnomia ny rantsam-batangnandreo ho andevon'ny fahalotoana sy ny ratsy andreo, de kara izany koà izô, amiao ho andevon'ny fahamarinana ho amin'ny fahamasinana ny ratsambatagnandreo. 20Fa letry andreo andevon'ny ota, de afaka tamin'ny fahamarinana. 21Amin'izô, ino andrika no vokatra azondreo tamin'ny raha izegny mahamegnatra anareo amin'izô fotoana izô? Satria ny vokatr'iregny raha iregny de ny fahafatesana.22Fa amin'izô fotoana ndreka nafahana tamin'ny ota andreo ary nanjary mpanompon'Andriamanitra, de mijinja ny fahamasinana. Ny vokatra de ny fiegnana mandrakizegny. 23Fa ny valin'ny ota de fahafatesana, fa ny fagnomezan'Andriamanitra koza de fiegnana mandrakizegny akô amin'i Kristy Jesosy Tompontsena.

Chapter 7

1Sa tsy fanatandreo, ry rahalahy (satria mikorana amin'ny olona mafantatra momba ny lalàna zaho), fa ny lalàna de mibeko ny olona reka raha mbola velona koà izy?2Fa ny viavy izegny manambady de vôfatotry ny lalàna amin'ny vadiny raha mbola velona koà izy, fa raha maty lay vadiny, de afaka amin'ny lalàn'ny fanambadiana izy. 3Noho izany, raha mbola velona ny vadiny, raha ohatra ka miaraka amina lilahy hafa izy, de ho antsovana hoe mpisengy. Fa raha maty lay vadiny, de afaka amin'ny lalàna izy, ka tsy mpisegny izy raha ohatra ka miaraka amina lilahy hafa.4Noho izany, ry rahalahiko, de natô maty tamin'ny lalàna my koà andreo tamin'ny alalan'ny tegnan'i Kristy. Nato izany mba hitambarandreo amin'ny hafa, izany hoe, aminanjy izegny natsangana tamin'ny maty, mba hahafahantsena mamokatra voa ho an'Andriamanitra. 5Fa tamintsena takô amin'ny nofo, takô amin'ny filan'ny fahotana, izegny nihetsehin'ny lalàna, de niasa takô amin'ny rantsam-batagnantsena mba hamokatra voa ho an'ny fahafatesana.6Fa amin'izô de nafahana tamin'ny lalàna antsena. Maty tamin'lay namatotra antsena antsena. Izany de mba hahafahantsena manompo amin'ny fagnavôzam-pagnahy, fa tsy amin'ny fahanteran'ny soratra.7Ino andrika no ho zaketsena? Ny lalàna tokoatrany megny no fahotana? Tsy hisy tegnany anie zany. Kanefa, tsy ho nahafantatra ny fahotana tokoatra zaho, raha tsy amin'ny alalan'ny lalàna my. Fa tsy ho nahafantatra ny fisiriritana zaho raha tsy nizaka ny lalàna hoe: "Aza misiriritra." 8Fa nalaka vahagna tamin'ny didy ny fahotana ka nahatonga ny fisisiritana jiaby takato aminay. Fa raha tsy misy ny lalàna, de maty ny ota.9Taloha zao de velona tsy nisy lalàna, fa ndreka tonga ny didy, de velona ndreka ny ota, ka maty zaho. 10Ny didy izegny tokony hitondra fiegnana no nivadika ho fahafatesana ho anay.11Fa ny fahotana de nalaka vahagna tamin'ny alalan'ny didy ka namitaka anay. Tamin'ny alalan'ny didy no namonoany anay. 12Noho izany, ny lalàna de masina, ary ny didy de masina, marina, ary tsara.13Ka ma va nivadika ho fahatesana ho anay izegny tsara? Tsy hisy tegnany anie izany. Fa ny ota, mba hahafahany manjary ho fahotana amin'ny alalan'izegny tsara, de mitondra fahafatesana takato aminay. Izany de ho amin'ny alalan'ny didy, ny fahotana de mety hanjary ho tegna fahotana tegnandraha. 14Fa fantatsena fa ara-pagnahy ny lalàna, fa zaho avy amin'ny nofo. Efa namidy ho akô ambanin'ny fagnandevozan'ny ota zaho.15Fa ny raha anìko, de tsy de tegna azoko tsara. Satria izegny tiako anìna, de tsy anìko, ary izegny halako, de anìko. 16Fa raha magnano izegny tsy tiako zaho, de miombon-kevitra amin'ny lalàna satria tsara ny lalàna.17Fa amin'izô fotoana de tsy zaho koza no magnano an'izany fa ny fahotana izegny velona akato agnatiko. 18Fa fantako fa akato agnatiko, izegny akato amin'ny nofoko, de tsy misy raha tsara velona. Fa ny fagniriana ny tsara de akato aminay, kanefa tsy afaka magnano an'izany zaho.19Fa ny tsara izegny tiako de tsy atôko, fa ny ratsy izegny tsy tiako, no atôko. 20Ary raha magnano izegny tsy tiako anìna zaho, de tsy zaho koza no miasa amin'izany, fa kosa ny fahotana izegny miegna akato aminay. 21Ary zaho de nahita, fa ny fitsipika akato aminay de te hagnano izegny tsara, kandrefa ny ny ratsy no akato agnatiko amin' izô.22Fa miravoravo akô amin'ny lalàn'Andriamanitra zaho amin'ny fagnahy maha-olona. 23Kanefa mahita fitsipika reka hafa momba ny tegnako akô zaho. Izany de miady amin'lay fitsipika vôvô akô agnaty segnako. Mitana anay ho babon'ny fitsipiky ny fahotana izegny akô amin'ny momba ny tegnako izany.24Olon-tsahirana zaho! Zovy no afaka hagnafaka anay amin'ity vatagn'ny fahafatesana ity? 25Fa isôrana amin'ny alalan'i Jesosy Kristy Tompontsena ny Andriamanitra! Noho izany, zaho tegnako de manompo ny lalàn'Andriamanitra amin'ny segnako. Na de izany aza, de manompo ny fitsipikin'ny fahotana amin'ny nofoko zaho.

Chapter 8

1Noho izany de tsisy fagnamelohana koza amin'izô ho andreo izegny akô amin'i Kristy Jesosy. 2Fa ny fitsipiky ny Fagnahin'ny fiegnana akô amin'i Jesosy Kristy no nagnafaka anay tamin'ny alalan'ny fahotana sy ny fahafatesana.3Fa izegny tsy afaka natôn'ny lalana nohon'ny fahalemeny tamin'ny nofo, de natôn'Andriamanitra. Nandefa ny Zanagny lahy tôkana Izy tamin'ny endriky ny nofo feno fahotana mba ho fagnatitra ho an'ny ota, ary nagnameloka ny ota takô amin'ny nofo izy. 4Natôny izany mba ho tontosa akô amintsena ny raha takin'ny lalàna, antsena izegny mandeha tsy araka ny nofo, fa araka ny Fagnahy. 5Izegny miegna araka ny nofo de mifantoka amin'ny raha momba ny nofo, fa izegny velona araka ny Fagnahy de mifantoka amin'ny raha momba ny Fagnahy.6Satria ny fisegnana mivahatra amin'ny nofo de fahafatesana, fa ny fisegnana mivahatra amin'ny Fagnahy koza de fiegnana ambàna fedanana. 7Ny fisegnana mivahatra amin'ny nofo de fandrafiana akeo agnatrehan'Andriamanitra, satria tsy mifagnaraka amin'Andriamanitra izany, no sady tsy hainy aby ny magnano an'izany. 8Zareo izegny akô amin'ny nofo de tsy afaka ny ho ankasitrahin'Andriamanitra.9Kandrefa, andreo de tsy akô amin'ny nofo fa akô amin'ny Fagnahy, raha ohatra ka marina fa miegna akô amindreo ny Fagnahin'Andriamanitra. Fa raha misy olona tsy managna ny Fagnahin'i Kristy, de tsy Ananjy izy. 10Raha ohatra akô amindreo Kristy, de maty nohon'ny fahotana ny vatagna, fa ny Fagnahy de velona noho'ny fahamarinana.11Raha ny fagnahin'lay nanagna an'i Jesosy tamin'ny maty no velona akô amindreo, de Izy izegny nanagnana an'i Kristy tamin'ny maty no hagnomia fiegana ho an'ny tegnandreo izegny mety maty amin'ny alalan'ny Fagnahiny my koà, izegny velona akô amindreo.12Noho izany, ry rahalahy, de mpitrosa antsena, fa tsy akô amin'ny nofo mba hiegna araka ny nofo. 13Fa raha miegna araka ny nofo andreo, de ho faty, fa raha amin'ny Fagnahy izegny hamonoandreo ny asa'ny nofo de ho velona andreo.14Fa kara ny raha jiaby votariky ny Fagnahin'Andriamanitra, de zareo no zanak'Andriamanitra. 15Fa tsy nandre ny fagnahin'ny fagnandevozana ndreka andreo ka hatahotra. Fa koza, nandre ny Fagnahin'ny fanagananan-janaka andreo, izegny hanantsognantsovantsena hoe: "Aba, Baba a!"16Ny Fagnahy sì no vavolombelona amin'ny fagnahintsena fa zanak'Andriamanitra antsena. 17Raha zanaka antsena, de mpandova my koà, mpandova an'Andriamanitra. Ary lova reka amin'i Kristy antsena, raha tegna mijaly miaraka Aminanjy tokoatra antsena de amiam-boninahitra miaraka Aminanjy koà.18Fa atôko fa ny fijaliana amin'izô tontolo izô de tsy magneva ampitahena amin'lay voninahitra izegny ho hatoro amintsena. 19Fa ny voahary jiaby izegny magnantegna fatratra de mandigny ny fampisehoana ny zanak'Andriamanitra.20Fa ny raha namboarin-jagnahary de natô ho tsisy dikany, tsy nohon'ny sitrapony manokana, fa noho lay nagnano izany. Izany de akô amin'lay toky namiana 21fa ny raha namboarin-jagnahary tegnany no tsy mentsy halàna amin'ny fagnandevozan'ny fahalòvana, ary hitondra akagny amin'ny fahafahana ny amin'ny voninahitry ny zanak'Andriamanitra izany. 22Fa fantantsena fa ny raha namboarin-jagnahary de miara-malahelo sy miara-miasa akô amin'ny fanentegnana na de amin'izô fotoana aza.23Tsy izany my, fa na ny tegnantsena aza, izegny managna ny voalognam-bokatry ny Fagnahy_na ny tegnantsena aza de misento akô agnatintsena, mandigny ny fananganana antsena ho zanaka, de ny fagnavotana ny tegantsena. 24Fa tamin'izany toky izany no namonjena antsena. Fa izegny atokisantsena fa hisy de mbola tsy hita, fa zovy no mandigny am-pahatokisana izegny efa hitany? 25Fa raha matoky amin'izegny mbola tsy hitantsena antsena, de mandigny an'izany am-pahavandriana.26Kara izany koà, ny Fagnahy de magnampy akô amin'ny fahalementsena. Fa antsena tsy mahafantatra izegny vavaka atôntsena, fa ny Fagnahy tokoatra no mifona ho antsena amin'ny fisentoana tsy hay zakena. 27Izy izegny mandinika ny fo no mahafantatra ny hevitry ny Fagnahy, satria izy no mifona ho an'ny mpino araka ny sitrapon'Andriamanitra.28Fantantsena fa ho an'izegny tia an'Andriamanitra, de miaraka ampenseny ho amin'ny tsara aby daholo ny raha jiaby, ([Fagnamariahana: Raha tokony hoe "Miaraka ampeseny ho amin'ny tsara aby daholo ny raha jiaby," de ny dikan-teny sanagny taloha magnano hoe: "Ny raha jiaby de miaraka miasa ho amin'ny raha tsara."]) ho an'izegny voantso araka ny fandaharany. 29Satria zareo izegny fantany meloha, de nitondriny meloha my koa mba hitovy pôzy amin'ny Zanagny, mba ho talagnolo akeo agnivon'ny rahalahy maro izy. 30Zareo izegny nitondriny meloha, de nantsovana my koà. Zareo izegny nantsovany, de namarininy my koà. Zareo izegny namarininy, de namiany voninahoitra my koà.31Ino andrika nio tokony ho zakentsena momba an'izany raha izany? Raha mbola momba antsena Andriamanitra, zovy no mahatohitra antsena? 32Izy izengy niaro ny Zanagny lahy tokana fa nagnomia Ananjy ho antsena jiaby, ahoana no tsy hagnomezany memempogna miaraka Aminanjy ny raha jiaby my koà?33Zovy no hitondra ny fempangana hanohitra izegny olom-bôfidin'Andriamanitra? Andriamanitra no lay reka izegny nagnamarina an'izany. 34Zovy lay reka hagnameloka? Kristy no lay reka maty ho antsena, ary magnoatra an'izany, nantsangana my koà Izy. Mandidy miaraka amin'Andrimanitra akeo amin'ny fitoeram-boninahitra izy, ary Izy no lay mifona ho antsena.35Zovy no hagnasaraka antsena amin'ny fitiavan'i Kristy? Fahoriana, sa fijaliana, sa fagnenjehana, sa silôna, sa filongalongana, sa vintagna, sa sabatra? 36Araka ny vosoratra hoe: "Noho ny aminô de vôvono andro lava zehè. Niresina kara ny ondry ho vonina zehè."37Akô agnatin'izany raha jiaby izany de mihoatra noho ny mpandresy zehè amin'ny alalan'lay reka tia anô. 38Fa resy lahatra zaho fa na ny fahafatesana, na ny fiegnana, na ny anjely, na ny fanjakana, na ny raha amin'izô fotoana, na ny raha mbola ho avy, na ny hery, 39na ny ambo, na ny laligna, na ny raha vôzagnahary hafa, de tsy hampisaraka antsena amin'ny fitiavanAndriamanitra, izegny akô amin'i Kristy Jesosy Tompontsena.

Chapter 9

1Mizaka ny marina akô amin'i Jesosy Kristy zaho. tsy mamesy zaho, ary ny eritreritranay no vavolombelogna miaraka aminay akô amin'ny Fagnahy Masina, 2fa ho anay de misy raha mamapalaelo mafy ary fahoriana tsy megnina akato am-poko.3Fa afaka nagniry zaho fa izaho tegnako de voaozogna ka hisitaka amin'i Jesosy Kristy noho ny amin'ny rahalahiko, izegny reka firazagnana aminay araka ny nofo. 4Zareo de Israelita. Zareo de managna ny fananganan'anaka, ny voninahitra, ny fankatoavana, ny fagnomezan'ny lalàna, ny fiderana an'Andriamanitra, ary ny fampagnantegnana. 5Ny anjareo de ny razagna izegny nahatonga an'i Jesosy Kristy ho tonga nofo, Izy izegny Andriamanitra ambonin'ny raha jiaby. Ho deraina mandrakizegny anie Izy. Amen.6Fa tsy foagna izegny nampagnantignen' Andriamanitra. Fa tsy izegny raha avy amin'ny Israely no tegna Israely. 7Na ny taranak'i Abrahama no tegna zanagny. Fa: ''Amin'ny alalan'i Isaka no hagnantsôvana anjareo taranakanô.''89Izany hoe, ny zanaky ny nofo de tsy zanak'Andriamanitra. Fa ny zanaky ny fampagnantegnana no raisina ho taranaka. Fa karan'izô no fampagnantegnana: ''Amin'izany fotoana izany de ho avy Zaho, ary hamiana zaza lilahy i Saraha.''10Tsy izany my, fa avekio koa Rebeka de hanagna zaza lilahy reka, Isaka abantsena_ 11fa mbola tsy teraka aby ny zaza ary mbola tsy nagnano raha tsara na ratsy, mba ho tanteraka ny fagnirian'Andriamanitra araka ny fisafidianana, tsy noho ny asa, fa noho Izy izegny nagnantso_ 12nizakena tamin-draviavy hoe: "Ny zokiny de hanompo ny zandriny." 13Izany de kara ny vôsoratra hoe: "Jakoba tiako fa Esao halako."14Ino andrika no ho zakentsena? Misy tsy fahamarinana va miaraka amin'Andriamanitra? 15Tsy hisy tokoatra anie izany. Fa hoy Izy tamin' i Mosesy hoe: "Hamindra fo amin' izegny tiako hamindrana fo Zaho, ary hangoraka amin'izegny tiako hangorahana Zaho." 16Noho izany andrika, de tsy noho izy magniry an'izany, na noho izy izegny mihazakazaka, fa noho Andriamanitra, izegny nampiseho ny famindrampo.17Fa ny Soratra Masina nagnambara tamin'i Farao hoe: "Fa noho izany antony izany no nagnandratako anô, mba hagnatoroako aminô ny heriko, ary mba hagnambarana ny Agnarako magneran-tany." 18Noho izany, Andriamanitra de mamindra fo amin'izegny tiany, ary izegny tiany, no ho hampamazagniny fo.19Avekio de hizaka aminay andreo hoe: "Nahoana no mbola mahita signy fogna Izy ?" Fa zovy no mahatohitra ny sitrapony?" 20Mifanohitra amin'izany, ralilahy, zovy ma anô no mamaly manohitra an'Andriamanitra? Ma izegny efa nivolevoleny hizaka amin'ny mpamolavola izany hoe: "Nahoana no natônô kara izô zaho?" 21Ma ny mpanefy vilagny tsy managna zo amin'ny tanimanga ka ny dabolagny reka my no hagnamboarana fitoerana amin'ny andro votokana, ary fitoerana reka hafa amin'ny andavan'andro?22Ahoana raha Andriamanitra, izegny te-hanoro ny fahavignirany sy hampahafantatra ny fahefany, no nivandry tamim-pahandiasana ny fitoeran'ny fahavignirana nomagnina ho amin'ny faharavana? 23Ahoana raha naniny izany mba hampahafantarany ny fanagnan'ny voninahiny akeo amin'ny fitoeran'ny famindaram-po, izegny efa nomagniny meloha ho amin'ny voninahitra? 24Ahoana raha atôny ho antsena koà izany, izegny nantsovany my koà, tsy ho akeo amin'ny samy Jiosy my, fa ho akeo amin'ny Jentlissa my koà?25Araka izegny nizakeny takô amin'i Hosea my koà hoe: "Hantsovako hoe oloko izegny tsy oloko, ary hoe malalany izegny tsy malala. 26Avy akeo de akagny amin'izegny nizakàna taminanjy hoe: 'Tsy oloko andreo,' akagny no hagnantsovana anjareo hoe: 'Zanak'Andriamanitra velona.'"27Isaia nagnantso mafy ny amin'ny Israely hoe: "Raha kara ny fasina akeny amin'ny ranomasina ny isan'ny zanak'Israely, de ho vôaavotra ny sisa ambiny, 28fa ny Tompo hitondra ny teniny aketo an-tany, feno ary tsy ho ela." 29Araka ny nizaken'Isaia meloha hoe: "Raha ny Tompon'ny maro no tsy namela taranaka ho antsena, de ho kara an'i Sodoma antsena, ary hanjary ho kara an'i Gomora."30Ino andrika no ho zakentsena? Fa ny Jentilisa, izegny tsy niaragna ny fahamarinana, no nahazo ny fahamarinana, izegny fahamarinana avy amin'ny finoana. 31Fa Israely, izegny niaragna ny lalàn'ny fahamarinana, de tsy tonga tamin'izany.32Nahoana ma? Satria zareo tsy niaragna izany tamin'ny finoana, fa tamin'ny asa. Tafitohin'ny vaton'ny fahatafintojhinana zareo, 33araka izegny efa vosoratra hoe: "Antegno, akô Ziona no ametrahako ny vaton'ny fahatafintohinana sy ny vatolampin'ny fandikan-dalàna. Izegny mino izany de tsy ho megnatra."

Chapter 10

1Ry rahalahy, ny fagnirian'ny foko sy angatahiko amin'Andriamanitra ho anjareo, de ny fagnavotana anjareo. 2Fa mijoro vavolombelona momba anjareo zaho fa mafana fo amin'Andriamanitra zareo, nefa tsy araka ny fahalalana. 3Fa tsy mahafantatra ny fahamarinan'Andriamanitra iregny, ary mikendry hametraka ny fahamarinanjareo manokana. Tsy magneky ny fahamarinan'Andriamanitra zareo iregny.4Fa Kristy no fahantanterahan'ny lalàna ho fahamarinana ho an'izegny mino jiaby. 5Fa Mosesy manoratra momba ny fahamarinana izegny avy amin'ny lalàna hoe: "Ny olona izegny magnano ny fahamarinan'ny lalàna de hiegna amin'izany fahamarinana izany."6Fa ny fahamarinana izegny avy amin'ny finoana de magnano hoe: "Aza magnano zaka am-po hoe: 'zovy no hiakatra agny an-dagnitra?' (izany de, mampidina an'i Kristy); 7ary aza mizaka hoe: 'zovy no handrorogna akagny amin'ny laligna?'" (izany de, mampiakatra an'i Kristy amin'ny maty).8Fa ino no zaken'izany? "Akeo amarivô ny teny, akô am-bavanô ary am-ponô." Izany no tenin'ny finoana, izegny ambaranè. 9Fa raha amin'ny vavanô no agnekenô an'i Jesosy ho Tompo, ary mino amin'ny fonao fa natsangan'Andriamanitra tamin' ny maty Izy, de ho avotana anô. 10Fa amin'ny fo no inoan'ny olona ny fahamarinana, ary amin'ny vava no angekiany ny fagnavotana.11Fa hoy ny Soratra Masina hoe: "Tsy ho megnantra izegny mino Ananjy jiaby." 12Fa tsy misy fahasamihafana akeo amin'ny Jiosy sy ny Grika. Fa Tompo reka my no tomponjareo jiaby, ary fanagnam-pahasoavana ho an'izegny magnantso Ananjy jiaby Izy. 13Fa izegny magnantso amin'ny agnaran'ny Tompo jiaby no ho vonjena.14Ahoana andrika no hahafahanjareo magnantso Ananjy izegny tsy nianoany? Ahoana no hahafahanjareo mino Ananjy izegny tsy mpitory? 15Ary ahoana no hahafahanjareo mitory, raha tsy misy nagniraka? _Araka ny vôsoratra hoe: "Koeny megny ny hatsaran'ny tongotranjareo magnambara ny raha tsaran'ny filazantsara!"16Kanefa tsy izy no niteno ny filazantsara. Fa hoy Isaia hoe: "Tompo, zovy no nino ny hafatranè? 17Noho izany ny finoana de avy amin'ny fitenoana avy amin'ny tenin'ny Kristy.18Fa hoy zaho hoe: "Ma va tsy nisy naregny zareo? Eka, marina tokoatra zany. "Ny feonjareo de efa nivoaka magneran-tany, ary ny teninjareo jisika amin'ny faran'izô tontolo izô."19Ankoatra izany, hoy zaho hoe: "Ma va tsy nahafantatra ny Israely? Tamin'ny vôlohagny Mosesy nizaka hoe: "Ho atôko saro-piaro amin'izegny tsy firenena tsino andreo. Amin'ny firenena izegny tsy misy raha fantatra, ho atôko tonga amin'ny fahavignirana andreo."20Ary nasahy tokoatra i Isaia raha nizaka hoe: "Hitanjareo izegny tsy niaragna anay zaho." 21Fa hoy izy tamin'Israely hoe: "Tontolo andro no nagninjirako ny tagnako tamin'ny olona tsy magneky sy maditra."

Chapter 11

1Ary nizaka zaho, narian'Andriamanitra va ny olony? Sagnatria anie zany. Fa zaho my koà de Israelita, taranak'i Abrahama, avy amin'ny fokon'i Benjamina. 2Andriamanitra de tsy nagnary ny olony, izegny efa fantany takeo aloha. Tsy fantandreo ma ny vôzakan'ny Soratra Masina momba an'i Elia, de ny fitaregnany tamin'Andriamanitra namango an'Israely? hoe: 3Tompo, zareo de namono ny mpaminagninô, namotika ny alitaranô. Zaho reka sisa tavela, ary magniry hangala ny egnako zareo."4Fa ino no valin-teny nizaken'Andriamanitra ananjy? "Nanokana fito arivo lahy ho an'ny tegnako Zaho izegny tsy nandongalitra takeo amin'ny Bala." 5De kara izany, amin'izô fotoana izô my koà de misy sisa tavela my koa nohon'ny fisafidianana ny fahasoavana.6Fa raha avy amin'ny fahasoavana izany, de tsy avy amin'ny asa koza. Fa raha tsy izany de tsy ho fahasoavana koza ny fahasoavana. ([Fagnamarihana: Ny fandikan-teny taloha de magnano hoe: "Kandrefa raha avy amin'ny asa izany, de tsy fahasoavana koza; fa raha izany de tsy asa koza ny asa."]) 7Ino andrika? Ny raha izegny naragnin'Israely, ka tsy azony, fa ny vôfidy no nahazo an'izany, ary namafisina ny ambiny. 8Izany de araka ny efa vôsoratra hoe: "Andriamanitra de magnomia anjareo ny fagnahin'ny fitabakambakàna, ho an'ny maso mba tsy hahafahanjareo mahita, ary ho an'ny tadigny mba tsy hahafahanjareo maregny, jisika mason'andro niany."9Ary hoy Davida hoe: "Oka ny latabatrananjy ho harato sy fandrika, ho vato manafintohina sy valifaty ho anjareo. 10Oka ny masonjareo hamezignina mba tsy hahita, ary ôka hivokoka mandrakizegny ny tambokokanjareo."11De hoy zaho hoe: "Ma va vôsitohina zareo mba ho lavo?" Sagnatria anie izany. Fa koza, avy amin'ny fahalavoanjareo, no nahatongavan'ny famonjena takeo amin'ny Jentilisa, mba hampialogna anjareo. 12Ary raha ny fahavalonjareo no fanagnan'izô tontolo izô, ary raha ny fahaverezanjareo no fanagnan'ny Jentilisa, de ho karakory ny hagnoasan'ny fahatanterahanjareo?13Fa amin'izô de mikorana amindreo Jentilisa zaho, ary mbola apostolinjareo Jentilisa zaho, de mankasitraka ny fanompoako. 14Avasa hampialogna izegny avy amin'ny nofoko manokana zaho. Avasa hagnavotra ny ansanagny aminjareo antsena.15Fa raha midika fampihavanana an'izô tonotolo izô ny fandavana anjareo, de kara ino no hieveranjareo fa ny fiegnana de avy amin'ny fahafatesana? 16Raha vôtokana ny vokatra vôlohagny, de ansanagny amin'ny kobam-bary koà. Raha vôtokana ny vahany, de kara izany my koà ny tagnantagnany.17Fa ndreka nitapahina ny tagnantagnany sasagny, ary raha anô, tagnantagnana oliva-dy, no natambatra takeo aminjareo, ary raha nifampizara taminjareo ny vahatra magnatô isy ny kakazo oliva anô, 18de aza mieboebo amin'ny tagnantagnana. Fa raha mieboebo anô, de tsy anô no mitondra ny vahany, fa ny vahany no mitondra anô.19De hizaka anô hoe: "Nitapahina hiala ny tagnantagnany mba hahafahako mifandre aminanjy." 20Marina izany. Noho'ny tsy finoanjareo de nitapahina hiala zareo, fa andreo de mijoro tsara noho'ny finoandreo. Aza magnano ny tegnandreo ho ambony, fa matahora. 21Fa raha ny tegna tagnantagnana aza tsy navelan'Andriamanitra, de tsy ho avelany my koà anô.22Ary, zahano, ny fahamoram-po sy ny fahasarotam-pon'Andriamanitra. Aketsy andagniny, ny fahasarotam-po de tonga amin'ny Jiosy izegny lavo. Fa aketsy ankilany koza, ny hatsaram-pagnahin'Andriamanitra de tonga amindreo, raha mahavandry akô amin'ny hatsaram-pagnahy andreo. Fa raha tsy izany de ho tapahina koà andreo.23Ary na iregny aza, raha tsy manohy amin'ny finoany zareo, de hatambatra. Fa Andriamanitra de afaka mangerigna anjareo ndreka. 24Fa raha nitapahina tamin'ny kakazo oliva-dy andreo, ka natambatra tamin'ny kakazo oliva tsara, de kara ino ny fihoaran'ny hamaroan'ny Jiosy, izegny tagnantagnana vôzagnahary, natambatra tamin'ny kakazo olivanjareo manokana?25Fa tsy tiako hahafantatra andreo, ry rahalahy, ny momba an'izany zava-miafina izany, mba tsy haha-kanty andreo amin'ny eritreritrandreo manokana. Izany zava-miafina izany de efa nampazan-doha ny sasagny amin'ny Israely, mandra-pahatongan'ny fahafenoan'ny Jentilisa.26Noho izany de ho avotana aby daholo ny Israely jiaby, araka ny vôsoratra hoe: "Hivoaka avy akangny Ziona ny mpagnafaka. Hangala ny haratsiam-pagnahy amin'i Jakoba Izy, 27ary izany no ho fagenekem-pihavanana aminjareo, ndreka hangala ny fahotanjareo Zaho."28Amin'ny lafiny reka mahakasika ny filazantsara, de fahavalo zareo noho'ny amindreo. Amin'ny lafiny reka hafa araka ny safidin'Andriamanitra, de namana zareo noho ny razagna. 29Fa izegny fagnomezana sy antson'Andriamanitra de tsy miova.30Fa andreo taloha de tsy nagneky an'Andriamanitra, kandrefa amin'izô fotoana izô de nandre ny famindram-po nohon'ny tsy fangnekianjareo. 31Kara izany my koà, amin'izô fotoana zareo Jiosy de tsy nagnaja. Ny vokany de tamin'ny alalan'ny famindram-po izegny natoro andreo no mety handresanjareo jiaby, mba hahafahany magntoro famindram-po my koa ami'izô fotoana izô. 32Fa Andriamanitra efa nampangina ny tsy fagnajana jiaby, mba hahafany magnatoro famindram-po amin'ny olona jiaby.33Koeny megny, ny hamaroan'ny fanagnan'Andriamanitra fahakantiana sy fahalalana! Tsy takatry ny segna ny fitsarany, ary ny lalàny de hay refesina! 34"Fa zovy no mahafantatra ny fiheveran'ny Tompo na zovy no tonga mba hagnatoro hevitra Ananjy?35Na zovy mnagnomia raha an'Andriamanitra meloha, ka tsy mentsy hagnefan'Andriamanitra an'izany ndreka?" 36Fa avy Aminanjy sy amin'ny alalany ary ho Ananjy ny raha jiaby. Ho Ananjy mandrakizegny ny voninahitra. Amena.

Chapter 12

1Mangataka andreo zaho noho izany, ry rahalahy, noho ny famindrampon'Andriamanitra, mba hagnomia ny vatagnandreo ho sorogna velona, masina, eken'Andriamanitra. Izany no fanompoandreo araka ny tokony ho izy. 2Aza mitovy amin'izô tontolo izô, fa miova amin'ny fagnavôzana ny segnandreo. Atovy izô mba ho fantandreo izegny tsara, azo ekena, ary ny sitrapo tian'Andriamanitra.3Fa zakeko, nohon'ny fahasoavana izegny namiany anay, no tsy tokony hanagnan'ny jiaby izegny akeo amindreo eritreritra hagnambony ny tegnany mihoatra izegny tokony ho eritreretiny. Fa koza, tokony hieritreritra am-pahankatiana zareo, kara ny nagnomiazan'Andriamanitra be finoana ny tsirekireka aby.4Fa managna rantsagna maro amim-batagna atsena, kandrefa tsy mitovy aby ny asan'io rantsagna io. 5Mitovy amin'izany my koà, antsena maro be togna de vatagna reka my akô amin'i Kristy, ary rantsagna manokana amin'ny tsirekireka.6Managna fagnomezam-pahasoavana samby hafa antsena araka ny fahasoavana izegny namiana antsena. Raha faminagniana no fagnomezam-pahasoavan'ny reka, de ôka atô araka ny fahalebiazan'ny finoany. 7Raha fanompoana no fagnomezam-pahasoavan'ny reka, de ôka izy hanompo. Raha nisy reka nahazo fagnomezam-pahasoavana hampianatra, ôka izy hampianatra. 8Raha fampaherezana no fagnomezam-pahasoavan'ny reka de ôka izy hampahery.Raha magnomia no fagnomezam-pahasoavan'ny reka, de ôka izy hagnano izany tsy amim-pahidiana. Raha hitarika no fagnomezam-pahasoavan'ny reka, de ôka izany ho atô amim-pitandremana. Raha handefitra no fagnomezam-pahasoavan'ny reka, ôka izany ho ato am-pifaliana.9Oka ny fitiavana tsy hisy fetsaram-belatsihy. Ankahaleo ny ratsy; tano mafy izegny tsara. 10Raha ny momba ny fifankatiavan'ny mpirahalahy, mifankatiava amindreo samby andreo tsirekireka aby. Raha ny momba ny fagnomezam-pahasoavam-boninahitra, mifagnajà.11Raha ny momba ny fiezahana, aza misalasala. Raha ny momba ny Fagnahy, ôka hafana fo. Momba ny Tompo, manompoà Ananjy. 12Mifalia amin'ny fahatokisana an'izegny hanagnanô momba ny raha ho avy. Mahavandrià amin'ny olagna anagnanô. Mivavaha aza megnina. 13Mifampizarà amin'izegny ilain'ny mpino. Miaragna fomba maro hampidiranô olona an-dragno.14Misaora an'izegny magnenjika anô; misaora ary aza magnozogna. 15Meraha-faly amin'izegny faly; meraha-mitomagny amin'izegny mitomagny. 16Mitoviza fisegnana amin'ny tsirekireka. Aza misegna amin'ny fomba mieboebo, fa ekeo ny olona magnambany. Aza magnano ny tegnanô ho kanty.17Aza mamaly ratsy ny ratsy. Magnanova raha tsara maro akeo amason'ny olona jiaby. 18Raha mety, araka izegny azonô atô mihavana amin'ny olona jiaby.19Aza mamaly ratsy ny tegnanô ry malala, fa amiao ho akeo amin'ny fahavigniran'Andriamanitra izany. Fa efa vôsoratra hoe: "Anahy ny valifaty; Zaho no hamaly,' hoy ny Tompo." 20Fa raha vosilôna ny fahavalonô, amiao rahanina izy. Raha mangetaheta izy, amiao mba ho sotroina izy. Fa raha magnano izany anô, de hagnangona venkafo akeo amin'ny lohany anô." 21Aza magneky ny ho resin'ny ratsy, fa reseo amin'ny tsara ny ratsy.

Chapter 13

1Oka ny fagnahy jiaby hagnaja ny manam-pahefana ambony, fa tsy misy fahefana raha tsy avy amin'Andriamanitra. Ary ny manam-pahefana misy de efa votondron'Andriamanitra. 2Noho izany, izegny manohitra izany fahefana izany de manohitra ny didin'Andriamanitra; ary zareo izegny manohitra izany de hahazo fitsarana amin'ny tegnanjareo.3Satria zareo mpanapaka de tsy fampitahorana ho an'ny asa tsara, fa ho an'ny asa ratsy. Magniry ny tsy hatahotra ny reka akô amin'ny fahefana ma andreo? Magnanova ny tsara , de ho deraina amin'izany anô. 4Fa Izy de mpanompon'Andriamanitra ho andreo amin'ny tsara. Fa raha magnano ratsy andreo, de matahora, satria tsy mitondra ny sabatra tsy amin'antony izy. Fa izy de mpanompon'Andriamanitra, mpamaly ny fahavignirana amin'lay magnano ratsy. 5Noho izany de tokony hagnaja andreo , tsy nohon'ny fahavognirana my, fa nohon'ny fieritreretana my koà.6Noho izany de magnefa hetra my koà andreo. Fa mpanompon'Andriamanitra zareo manam-pahefana, izegny miendrekitra izany raha izany tsisy felignesana. 7Ifay amin'ny tsirekireka izegny tokony ho anjareo: magnefà hetra amin'izegny tokony hagnefana izany; Magnefà fadin-tsiragna amin'izegny tokony hagnefana izany; matahora an'izegny tokony hatahorana; magnajà an'izegny megneva an'izany.8Aza managna trosa na amin-jovy na zovy, afa-tsy ny fifankatiavana my. Fa izegny tia ny magnodidigna ananjy de nahatanteraka ny lalàna: 9Maro ny didy: "Aza mangala-badin'olona, aza mamono olona, aza mangalatra, aza mitsiriritra," ary raha misy didy hafa ankoatra an'ireo koà, de vofehy amin'ity fehezanteny ity izany: "Tiava ny namanao kara ny tegnano." 10Ny fitiavana de tsy mandratra ny magnodidigna; noho izany, ny fitiavana no fahatanterahan'ny lalàna.11Noho izany, fantandreo ny otoana, fa efa fotoana hifohazandreo amin'ny torimaso saady izô. Fa amin'izô de efa magnakeky noho izegny ninoantsena tamin'ny vôlôhagny ny fagnavotana antsena. 12Dila ny alina, ary marivo ho kiaka ny andro. Noho izany de andô hariana ny asan'ny mizigna, ary andô antsena hirakotra ny fiadian'ny fahazavana.13Andô hagnaraka ny lalana mahitsy, kara ny amin'ny andro mazava, fa tsy kara ny amin'ny firavoravoana tsy amim-pahamendrehana na koa ny fahamamoana; ary andô tsy handeha amin'ny fahavetavetana na amin'ny filàna tsy vofehy, ary tsy ho amin'ny fifanoherana na ny fialognana. 14Fa mirakofa an'i Jesosy Kristy Tompo, ary aza magnomia hirika ho an'ny nofo, mba hagnomiazana fahafaham-po ny raha aragniny.

Chapter 14

1Reso, ry izegny malemy finoana jiaby, aza mitsara momba ny tohan-kevitra. 2Ny olona reka de managna finoana hihinana na ino na ino, fa ny reka hafa izegny malemy de tsy mihinana afa-tsy legioma.3Oka izegny mihinana ny raha jiaby tsy hagnamavo izegny tsy mihinana ny raha jiaby; ary izegny tsy mihinana ny raha jiaby koza de tsy hitsara izegny hafa mihinana ny raha jiaby. Fa Andriamanitra efa nagneky ananjy. 4Zovy ma anô, anô izegny mitsara ny mpanompon'olon-kafa? Akeo agnatrehan'ny tompony izy no lavo. Fa hatsangana izy, satria ny Tompo de afaka manangana ananjy.5Ny olona reka de mihevitra ny andro reka ho tsara noho ny hafa. Ny hafa kosa de mihevitra fa mitovy ny andro jiaby. Avilè ny tsirekireka ho resy lahatra araka ny segnany aby. 6Izegny mandinika ny andro, de mandinika an'izany ho an'ny Tompo; ary izegny mihinana, de mihinana ho an'ny Tompo, fa misaotra an'Andriamanitra izy. Izegny tsy mihinana, de mifady hanina ho an'ny Tompo, izy my koà de misaotra an'Andriamanitra.7Fa tsy misy miegna ho an'ny tegnany, ary tsy misy maty ho an'ny tegnany. 8Fa raha miegna antsena, de miegana ho an'ny Tompo, ary raha maty antsena, de maty ho an'ny Tompo. Araka izany, na velona antsena na maty, de an'ny Tompo. 9Fa ho amin'izany antony izany no nahafatesan'i Kristy ary nahavelomany ndreka, mba hahtonga Ananjy ho sady Tompon'ny maty no sady tompon'ny velona.10Fa anô, nahoana anô no mitsara ny rahalahinô? Ary anô, nahoana anô no mankahala ny rahalahinô? Fa antsena de mbola hijoro ho tsarena akeo agnatrehan'ny seza fitsaran'Andriamanitra. 11Fa efa vôsoratra hoe: "Raha mbola velona koà Zaho," hoy ny Tompo," dia hiforitra akeo agnatrehako ny lohalitra jiaby, ary ny lela jiaby de hidera an'Andriamanitra,"12Noho izany andrika, antsena tsirekireka aby de hagnano tatitra ny tegnany akeo amin'Andriamanitra. 13Ka, ôka antsena tsy hifampitsara koza, fa koza handidy izô, mba tsy hisy hametraka vato manafintohina na fandriaka ho an'ny rahalahiny.14Mahafantatra zaho ary resy lahatra akô aminny Tompo Jesosy, fa tsy misy madio amin'ny tegnany. Fa ho an'izeny mandre na ino na ino ho tsy madio, de tsy madio izany ho nanjy. 15Satria raha malahelo noho'ny amin'ny rahanina ny rahalahinô, de tsy mandeha am-pitiavana koza anô. Aza ratena nohon'ny amin'ny rahaninandreo izegny namoizan'ny Kristy ny egnany.16Ka aza mamela izegny heverindreo ho tsara ho aratsiana. 17Fa ny fanjakan'Andriamanitra de tsy momba rano fisotro, fa momba ny fahamarinana, fiadananana, ary fifaliana akô amin'ny Fagnahy Masina.18Fa izegny manompo an'i Kristy araka izany de ankasitrahinAndriamanitra sy eken'ny olona. 19Noho izany, ôka samby hanohy ny raha momba ny fihavanana sy ny raha izegny manefy ny tsirekireka aby.20Aza ratena nohon'ny amin'ny rahanina ny asan'Andriamanitra. Madio tokoatra ny raha jiaby, fa ratsy ho an'ny olona izegny mihinana ananjy ary mahatonga ananjy ho tafintohina. 21Tsara ny tsy oman-kena, na misotra divay, na ny raha jiaby izegny mety hanafintohina ny rahalahinao.22Ny fianoana anagnanô, tano akô aminô sy Andriamanitra. Sambatra izegny tsy magnameloka ny tegnany amin'izegny ekeny. 23Izegny misalasala de meloka lakoamihinana, satria tsy tamin'ny finoana izany. Ary na ino na ino tsy avy amin'ny finoana de fahotana.

Chapter 15

1Ary antsena izegny matanjaka de tokony handefitra amin'ny fahosan'ny malemy, ary tsy tokony hagnano izegny masasara ny tegnantsena. 2Oka ny tsirekireka avy amintsena hagnano izegny mahafaly ny mpiara-belona aminanjy fa izany no tsara, mba hagnandratana ananjy.3Fa na i Kristy aza tsy nagnano izegny natsatsara ny tegnany. Fa koza, izany de araka ny efa vôsoratra hoe: "Ny fagnanovana tsisy dikany an'izegny magnano tsisy dikany anô de efa nivarigna taminay." 4Fa na ino na ino vôsoratra takeo aloha de vôsoratra ho fampianarana antsena, mba amin'ny alalan'ny fampaherezan'ny Soratra Masina no hanagnantsena toky.5Ary ny Andriamanitry ny fahavandriana sy ny fampaherezana anie hagnomia fisegnana mitovy ho an'ny tsirekireka aby araka an'i Kristy Jesosy. 6Izy anie hagnano izany mba ho amin'ny fisegnana reka sy amin'ny vava reka my no hiderandreo an'Andriamanitra sy Aban'i Jesosy Kristy Tompontsena. 7Noho izany de mifandresa, kara ny nadresan'i Jesosy Kristy andreo my koa, ho fiderana an'Andriamanitra.8Fa zakeko fa i Jesosy Kristy de efa tonga mpanompon'ny vôfora ho an'ny fahamarinan'Andriamanitra, mba hahafahana magnamarina ny fampagnantegnana izegny namiana anjareo, 9ary ho anjareo Jentilisa mba hagnomiazam-boninahitra an'Andriamanitra nohon'ny famindram-pony. Izany de araka ny efa vosoratra hoe: "Noho izany de hagnomia fiderana Anô akeo aminjareo Jentilisa zaho ary hihira fiderana ny agnaranô."10Mbola vôzaka fogna fa: "Miravoravoa miaraka amin'ny vahoakany, ry Jentilisa." 11Ary koà hoe: "Derao ny Tompo, ry Jentilisa jiaby; avilè ny olona jiaby hidera Ananjy."12Hoy ndreka Isaia hoe: "Hisy vahany i Jese, de lay reka izegny hitsangana handidy akeo amin'ny Jentilisa. Hanagna fahatokisana Aminanjy zareo Jentilisa."13Ary ny Andriamanitry ny fahatokisana anie hameno andreo amin'ny alalan'ny fifaliana sy ny fedanana jiaby amin'ny finoana, mba ho feno fahatokisana andreo, avy amin'ny herin'ny Fagnahy Masina.14Ny tegnako izô my koà de resy lahatra amin'ny momba andreo, ry rahalahy. Resy lahatra zaho fa andreo my koà de feno fahatsarana, feno ny fahalalana jiaby. Resy lahatra zaho fa andreo my koà de afaka mifagnanatra.15Fa manoratra am-pahasahiana amindreo zaho momba ny raha sanagny mba hampatsiarovana andreo ndreka noho'ny fagnomezam-pahasoavana izegny namian'Andriamanitra anay. 16Izany fagnomezam- pahasoavana izany de tokony mba hanompoako an'i Kristy Jesosy nalefa takagny amin'ny Jentilisa, mba hagnomiazana kara ny sorogna ny filazantsaran'Andriamanitra. Tokony hatoko izany mba ho azo ekena ny fagnatitranjareo Jentilisa, voatokan'ny Fagnahy Masina.17Noho izany, ny hafaliako de akô amin'i Kristy Jesosy sy ny momba an'Andriamanitra. 18Fa tsy hasahy hikorana na ino na ino ankoatra ny raha vitan'i Kristy tamin'ny alalako ho an'ny fankatoavanjareo Jentilisa zaho. Io raha io de vita tamin'ny teny sy ny asa, 19tamin'ny herin'ny Fagnahy Masina. Izany de mba avy akagny Jerosalema, sy lavidavitra kara an'Ilyrikioma, no hahafahako magnatanteraka ny filazansaran'i Kristy.20Amin'izany, ny fagniriako de ny hitory ny filazantsara, fa tsy amin'izegny hahafantarana an'i Kristy amin'ny agnarana, mba tsy hagnamboarako akeo amin'izegny efa nagnamboaran'ny hafa. 21Izany de araka ny vôsoratra hoe: "Tamin'izegny tsy nizaka ny momba Ananjy no hahita Ananjy, ary izegny tsy naregny no hahazo."22Noho izany my koà de vôsakana matetika tsy ho akagny amindreo zaho. 23Fa amin'izô, tsy managna pilasy amin'io faritra io koza zaho, ary taona maro no efa nangiriako mafy ho akagny amindreo.24Noho izany na viana na viana andehanako akagny Espana, de magnantena zaho ny hahita andreo ndreka koà mandalo, ary aterindreo akagny amin'izegny ingako, ndreka avy mankafy ny ferahandreo bitibitika zaho. 25Fa amin'izô de inga akagny Jerosalema zaho hanompo andreo mpino.26Fa fifalian'i Makedonia sy Akaia ny hagnano fandresan'anjara ho anjareo mahantra isan'ny mpino izegny akagny Jerosalema. 27Eka, fifaliana ho anjareo izany, ary mpitrosa aminajy tokoatra zareo. Fa raha ny Jentilisa no nizara tamin'ny raha masinanjareo, de tokony hanompo anjareo my koà zareo amin'ny raha ara-materialy.28Noho izany, ndreka nitanterahiko izô asa izô ary nagnamafy fa vorenjareo ny vokatra izegny nangonina, de ho akagny Espana zaho ary hitsidika andreo amin'ny lalako. 29Fantako fa ndreka minga amindreo zaho de hiditra amin'ny fahafenoan'i Kristy.30Amin'izô de mandrisika andreo zaho, ry rahalahy, amin'ny Jesosy Kristy Tompontsena, sy amin'ny fitiavan'ny Fagnahy, mba hiaraka hiady aminay andreo amin'ny vavaka antôndreo amin'Andriamanitra ho anay. 31Mivavaha mba ho avotra amin'izegny tsy magnaja akagny Jodia zaho, ary mba ho eken' izegny mpino ny fanompoako ho an'i Jerosalema. 32Mivavaha mba hitongavako amindreo amin-kafaliana amin'ny sitrapin'Andriamanitra, ary mba hahafahako, mahita felignesana, miaraka amindreo.33Ny Andriamanitry ny fedanana anie homba andreo jiaby. Amena.

Chapter 16

1Ankigniko amindreo i Foiby anakavintsena, izegny mpanompon'ny fengonana akagny Kenkrea, 2mba handresandreo ananjy akô amin'ny Tompo. Atôvy izegny fomba mety amin'ny mpino, ary magnatreha ananjy amin'izegny olagna mety hilàny ny fagnampiandreo. Fa izy tegnany my koà de mpagnampy ny maro, sy ny tegnako koà.3Magnanova veloma an'i Prisila sy Akoila, mpiara-miasa aminay akô amin'i Kristy Jesosy, 4izegny nahafoy ny egnanjareo ho an'ny egnako. Misaotra anjareo zaho, ary tsy zaho my, fa ny fiangona jiabin'ny Jentilisa my koà. 5Magnanova veloma ny fengonana izegny akô amin'ny tragnonjareo. Magnanova veloma akagny amin'i Epaineto malalako, izegny vôlognam-bokatr'i Asia ho an'i Kristy.6Magnanova veloma an'i Maria, izegny niasa mafy ho andreo. 7Magnanova veloma an'i Androniko sy Jonia havako akeky, sady niara-nigadra taminay. Malaza akeo agnivon'ny apostoly zareo, izegny takô amin'ny Kristy talohako my koà. 8Magnanova veloma an'i Ampliato, malalako akô amin'i Tompo.9Maganova veloma an'i Orbano, mpiara-miasa amintsena akô amin'i Kristy, sy Staky, malalako. 10Arabeo i Apela, lay ankasitrahina akô amin'i Kristy. Arabeo zareo izegny akô an-tokantragnon'i Aristobolo. 11Magnanova veloma an'i Herodiona, havako. Magnanova veloma an'izegny akô an-tokantragnon'i Narkisa, izegny akô amin'i Tompo.12Maganova veloma an'i Tryfena sy Tryfosa, izegny miasa mafy akô amin'i Tompo. Arabeo i Perysa malala, izegny niasa mafy takô amin'ny Tompo. 13Magnanova veloma an'i Rofosy, izegny vofidy tako amin'i Tompo, ary ny reniny sy ny reniko. 14Magnanova veloma an'i Asynkrito, Flegona, Hermesy, Patroba, Herma, ary zareo rahalahy izegny miaraka aminjareo.15Magnanova veloma an'i Filologia sy Jolia, Nerea sy ny anakaviny, sy Olimpa, ary zareo mpino jiaby miaraka aminajreo. 16Mifagnanova veloma amin'ny fifagnoroana masina. Ny fengonana Jesosy Kristy jiaby de magnano veloma andreo.17Amizô de mamporisika andreo zaho, ry rahalahy, mba hihevitra ny momba anjareo izegny mahatonga ny fizarazarana sy ny fanafintohinana. Zareo de mihoatra lavitra ny fampianarana izegny niresindreo. Mialà lavitra anjareo. 18Fa tsy mpanompon'i Kristy Tompontsena ny olona kara an'iregny, fa ny kibony manokana my. Amin'ny zaka malemy sy midera no hamitahanjareo ny fon'ny tsy manan-tsigny.19Fa ny fagnoarandreo amin'ny fankantoavana de tafita akagny amin'ny tsirekareka. Noho izany, faly zaho, ny amin'ny momba andreo, fa mbola tiako ho kanty amin'izegny tsara andreo, ary tsy hanan-tsigny amin'izegny ratsy. 20Ny Andriamanitry ny fiadanana anie hagnapotipotika an'i Satana akeo am-paladiandreo afaka fotona tsy ho ela. Ho amindreo anie ny fahasoavan'i Jesosy Kristy Tompontsena.21Timoty, mpiara-miasa aminay, de magnano veloma andreo, sy Losio, Jasona ary Sosipatro, havako. 22Zaho, Tertio, izegny nanoratra ity epitily ity, de magnano veloma andreo akô amin'ny Tompo.23Gaio, lay nampentragno anay sy ny fengonana jiaby, de magnano veloma andreo. Erasto, mpitam-bola akô amin'ny tanàna, de magnano veloma andreo, miaraka amin'i rahalahy Koarto. 24[Fagnamarihana: Ny fandikana taloha tegna tsara de mangala ity andininy ity. ( Zaano ny Romana 16: 20). "Ho amindreo jiaby anie ny fahasoavan'i Jesosy Kristy Tompontsena. Amena."]25Ary ny voninahitra de ho Ananjy izegny mahavita manangana andreo araka ny filazantsarako sy ny fitoriana an'i Jesosy Kristy, araka ny fagnambarana ny raha mivony izegny nitanana ho tsiambaratelo taloha elabe takagny, 26kanefa nizakena amin'izô fotoana, ary tamin'ny alalan'ny bokin'ny faminagniana no nampahafantarana tamin'ny firenena jiaby, araka ny didin'Andriamanitra mandrakizegny, ho fankatoavana ny finoana.27Ho an'lay Andriamanitra tokan'ny ny fahakantiana anie ny voninahitra mandrakizegny, amin'ny alalan'ny Jesosy Kristy. Amena.

Galatians

Chapter 1

1Paoly, apostoly _ tsy avy amin'ny olona na tamin'ny olona, fa avy amin'i Jesosy Kristy sy lay Andriamanitra Ray, izegny nanangana Ananjy tamin'ny maty _ 2ary zareo rahalahy jiaby miaraka aminay, ho an'ny fiangonan'i Galatia:3Fahasoavana ho amindreo ary fedanana avy amin'Andriamanitra Abantsena sy Jesosy Kristy Tompo, 4izegny nagnomia ny tegnany ho an'ny fahotantsena mba hagnafahany antsena amin'izô andron'ny faharatsiana izô, araka ny sitrapon'Andriamanitra sady Abantsena, 5ho Ananjy anie ny voninahitra mandrakizegny doria. Amena.6Gaga zaho hoe niala tamin'lay nagnantso andreo tamin'ny fahasoavan'i Kristy andreo. Gaga zaho fa mitodika ho amin'ny filazantsara hafa andreo. 7Tsy midika anefa izany fa misy filazantsara hafa, fa misy olona maromaro izegny mitondra fikorontagnana ho andreo ary te hagnova ny filazantsaran'i Kristy.8Fa na zehè na ny anjely avy agny an-dagnitra aza no hitory filazantsara hafa amindreo noho izegny nitorianè tamindreo, de oka izy ho vôhozogna. 9Araka izegny nizakenè taloha, de amin'izô zaho de magnambara ndreka hoe: "Raha misy olona magnambara amindreo filazantsara hafa noho izegny niresindreo, de ôka izy ho vôhozogna." 10Ma zaho amin'izô fotoana izô miaragna ny fankatovana'ny olona sa Andriamanitra? Ma zaho miaragna izegny hampifaly olona? Raha mbola manohy miezaka ny hampifaly olona zaho, de tsy mpanompon'i Kristy.11Fa tiako ho fantandreo, ry rahalahiko, fa ny filazantsara izegny nambarako de tsy filazantsaran'olombelona. 12Tsy nandre izany tamin'olona zaho, na nampianarina anay izany. Fa koza, izany de fagnambaran'i Kristy Jesosy taminay.13Fa andreo naregny ny momba ny fiegnako taloha tamin'ny fomba fivavahana Jiosy, sy ny fomba nagnanjehako ny fegnonana'Andriamanitra mihoatra ny tokony ho izy ary ny fiezahako handrava an'izany. 14Nandroso tamin'ny fivavahana Jiosy zaho raha nampitahena taminjareo izegny nitovy taona taminay avy taminjareo reka firenena taminay. Karan'izany ny fomba nitanako mafy ny fomban-drazako.15Kandrefa Andriamanitra, izegny nanokana anay letry tan-kibon-dreniko, ary nagnantso anay tamin'ny alalan'ny fahasoavany, 16ndreka faly ny hagnatoro ny Zanagny lahy taminay, mba hahafahako magnambara Ananjy akagny amin'ny Jentilisa, de tsy nila hevitra tamin'ny nofo sy rà avy hatragny zaho. 17Tsy niakatra takagny Jerosalema ho akagny aminjareo efa nanjary Apostoly talohako zaho. Fa koza, ninga takagny Arabia ary nierigna takagny Damaskosy zaho avy takeo.18Ary telo taona taty afara de niakatra takagny Jerosalema mba hifankafantatra tamin'i Kefasy zaho ary nibodika niaraka taminanjy nandritra ny dimy ambin'ny folo andro. 19Fa tsisy hitako zareo Apostoly ankoatra an'i Jakoba, lay rahalahin'ny Tompo. 20Ary akô amin'izegny soratako ho andreo, de magnomia toky andreo akeo agnatrehan'Andriamanitra zaho, fa tsy mandenga zaho.21Avy takeo zaho de ninga tamin'ny faritr'i Syria sy Kilikia. 22Tsy mbola fantatra takeo amin'ny fengonan'i Joda izegny akô amin'i Kristy zaho. 23Regninjareo fogna ny raha nizakeko hoe: "lay lilahy izegny nagnenjika antsena taloha amin'izô fotoana de magnambara lay finoana nezahiny nipotehina taloha." 24Noho izany zareo de nidera an'Andriamanitra noho ny aminay.

Chapter 2

1Efatra ambin'ny folo taona taty afara de niakatra takagny Jerosalema ndreka zaho niaraka tamin'i Barnabasy, de nitondra an'i Titosy niaraka taminay. 2Niakatra takagny nohon'ny fagnambarana reka zaho ary nagnomia anjareo ny filazantsara izegny toriko akeo amin'ny Jentilisa. Nikorana mitokana taminjareo izegny noheverina ho manan-danja zaho, mba hahazoana antoka fa tsy nihazakazaka _ na efa nihazakazaka _ fahatany zaho.3Fa na i Titosy aza, izegny niaraka taminay no sady Grika, de noterena ho vôfora. 4Niditra mangingina reo roy lahy sandoka mba hagnaraha-maso ny fahafahana hanagnanè akô amin'i Kristy Jesosy. Nagniry ny hagnandevo anè zareo, 5fa tsy nety nagneky anjareo na de fotoana bitika aza zehè, mba hitoeran'ny fahamarinan'ny filazanatsara amindreo.6Fa izegny noheverina ho manan-danja (na ino na ino zareo de tsy mampagnino anay, Andriamanitra de tsy miangatra) _zakeko, zareo, izegny heverina ho manan-danja de tsy nagnampy na ino na ino taminay. 7Mifanohitra amin'izany, hitanjareo fa nangnakignana ny filazantsara ho anjareo tsy vôfora zaho, kara ny nagnankignana an'i Petera ny filazantsara ho anjareo izegny tsy vôfora. 8Fa Andriamanitra, izegny niasa takô amin'i Petera ho amin'ny maha-Apostoly ho anjareo izegny tsy vôfora, de niasa takato aminay my koà ho anjareo Jentilisa.9Jakoba, Kefasy, ary Jaona, izegny fantatra fa agnisan'ny nanangana fengonana, ndreka nahafantatra ny fahasoavana izegny namiana anay, de nagnomia ny tagnana ankavanan'ny fiombonana ho anay sy Barabasy zareo. Natônjareo izany mba hahafahanè mandeha akagny amin'ny Jentilisa, ary mba hahafahanjareo mandeha akagny aminjareo tsy vôfora. 10Nangataka fogna zareo mba hahatsiaro ny sahirana zehè, izegny raha tegna tiako anìna tokoatra.11Fa ndreka tonga takagny Antioka i Kefasy, de nanohitra ananjy takeo agnatrehany zaho satria vôlaza fa diso izy. 12Talohan'ny nahatongavan'ireo lilahy ansanagny avy agny amin'i Jakoba, de takeo am-pihinanana niaraka taminjareo Jentilisa i Kefasy. Fa ndreka tonga ireo lilahy ireo, de nibodika izy ary niala lavitra anjareo Jentilisa. Natahotra anjareo izegny nitaky famorana ananjy izy.13Ny sisa taminjareo Jiosy koa de niombogna tamin'izany fetsaram-belatsihy izany. Na i Barnabasy aza de vôvily lalana niaraka taminjareo tamin'ny fetsaram-belatsihinjareo. 14Fa ndreka hitako fa tsy magnaraka ny fahamarinan'ny filazantsara ny fitondran-tegnanjareo, de nizaka tamin'i Kefasy zaho takeo agnatrehanjareo jiaby hoe: "Raha Jiosy anô kanefa miegna kara ny Jentilisa fa tsy kara nyJiosy, ahoana no ahafahanô manery ny Jentilisa hiegna kara ny Jiosy?"15Antsena de Jiosy tamin'ny alalan'ny fahaterahana fa tsy Jentilisa mpanota; 16fantantsena andrefa fa tsy misy olona hamarinin'ny asan'ny lalàna fa amin'ny alalan'ny finoana an'i Kristy Jesosy. Antsena my koà de tonga tamin'ny finoana an'i Jesosy Kristy mba ho hamarinina amin'ny finoana an'i Kristy fa tsy amin'ny asan'ny lalàna. Fa tsy hisy nofo ho hamarinina amin'ny asan'ny lalàna.17Fa raha ôhatra ka, miaragna ny ho hamarinina akô amin'i Kristy antsena, antsena my koà de hita fa mpanota, ma mampandrisika ny fahotana andrika ma i Kristy? Tonga de Aha! 18Fa raha manangana ny raha efa noravako takagny aloha ndreka zaho, de magnaporofo ny tegnako ho mpandika lalàna zaho. 19Fa tamin'ny lalàna no nahafatesako ho amin'ny lalàna, mba ho velona ho an'Andriamanitra zaho.20Nifantsihana niaraka tamin'i Kristy zaho. Tsy zaho koza no velona fa Kristy, fa i Kristy no velona akato agnatiko. Ny fiegnana iegnako akô amin'ny nofo amin'izô fotoana de iegnako amin'ny finoana ny Zanak'Andriamanitra, izegny tia anay ka nagnomia ny tegnany ho anay. 21Tsy magnafoagna ny fahasoavan'Andriamanitra zaho, fa raha azo amin'ny lalàna ny fahamarinana, de tsy misy dikany ny nahafatesan'i Kristy!

Chapter 3

1Ry Galatiana foka! Zovy no namosavy andreo? Tegna takeo amasondreo no nagnatoroana an'i Jesosy Krtisty vôfansika. 2Izô my no raha tiako ho fantatra amindreo: Nandre ny Fagnahy tamin'ny asan'ny lalàna sa tamin'ny finoana izegny regnindreo andreo? 3Foka tegnany ma andreo a? Nentomboka tamin'ny Fagnahy andreo, de hifaragna amin'ny nofo ma amin'izô a?4Ma nivandry raha maro tamin'ny tsisy dikany andreo_ raha tegna zava-pôgna tokoatra izany? 5Ma izy izegny magnomia ny Fagnahy andreo sy magnano asa mahagaga akeo amindreo de magnano an'izany amin'ny asan'ny lalàna, sa amin'ny fitonoàna ny finoana?6Kara an'i Abrahama "nino an'Andriamanitra ary nikôntina ho fahamarinana izany," 7de kara an'izany, fantako, fa reo izegny amin'ny finoana de zanak'i Abrahama. 8Ny Soratra Masina, nahita meloha fa Andriamanitra de hagnamarina anjareo Jentilisa amin'ny finoana, de nitory ny filazantsara meloha tamin'i Abrahama, nizaka hoe: "Avy aminô no hitahiana ny firenena jiaby." 9Ka, reo izegny amin'ny finoana de vôtahy miaraka amin'i Abrahama, lay olon'ny finoana.10Reo izegny miankigna amin'ny asan'ny lalàna de akeo ambanin'ny ozogna; fa vôsoratra hoe: "Vôozogna izegny jiaby tsy magneky ny raha jiaby vôsoratra akô agnatin'ny bokin'ny lalàna, sy izegny magnano an'iregny." 11Amin'izô de mazava fa tsisy olona izegny hamarinina akeo agnatrehan'Andriamanitra amin'ny alalan'ny lalàna, satria ny marina de ho velona amin'ny finoana. 12Fa ny lalàna de tsy araka ny finoana, fa koza, "Ny olona izegny magnano ny asan'ny lalàna de tsy mentsy mivelona amin'izany"13Kristy nagnavotra antsena tamin'ny ozogn'ny lalàna tamin'ny nahatongavany ho ozogna ho antsena-- fa vôsoratra hoe: "Vôozogna izegny jiaby mihantogna amin'ny kakazo" _ 14mba ho tonga amin'ny Jentilisa ny fitahian'i Abrahama akô amin'i Kristy Jesosy, mba ho amin'ny finoana no hahazaoantsena lay fampagnantegnan'ny Fagnahy.15Ry rahalahy, avilè zaho hizaka araka ny fanìn'olona. Akô amin'ny fifagnarahana atôn' ny olona, tsisy afaka magnafoagna na magnampy izegny akô, ndreka tafatoetran'ny lalàna izany. 16Ary ny fampagnantegnana de nizakena tamin'i Abrahama sy tamin'ny taranagny. Tsy mizaka izany hoe: "ho an'ny taranaka," manondro olona maro, fa koza olona reka my, "ho an'ny taranakanô," de i Kristy.17Ary izô no tiako zakena: "Ny lalàna, izegny tonga telopolo sy efajato taona taty afara, de tsy hahafoagna ny fagnekiana izegny efa natôn'Andriamanitra meloha. 18Fa raha avy amin'ny lalàna ny lova, de tsy avy amin'ny fampagnantegnana koza izany. Fa Andriamanitra nagnomia an'izany an'i Abrahama tamin'ny alalan'ny fampagnantegnana.19Ino, andrika, no tanjon'ny lalàna? Natô izany nohon'ny fandikan-dalàna, mandra-pahatongan'ny taranak'i Abrahama akeo amin'izegny nagnanovana fampagnantegnana. Ny lalàna de natôn'ny mpagnelagnelagna reka ho manan-kery tamin'ny alalan'ny anjely. 20Fa ny mpagnelagnelagna de midika ho olona mioatra ny reka, kanefa Andriamanitra de reka.21Ma va ny lalàna manohitra ny fampagnantegnan'Andriamanitra? Tsy ho izany tokotra! Fa raha nisy lalàna namiana izegny afaka magnomia fiegnana, de avy tamin'ny lalàna tokoatra ny fahamarinana. 22Fa ny Soratra Masina nagnagadra ny raha jiaby ambanin'ny fahotana. Nagnano izany Andriamanitra mba hagnomezana ho an'izegny mino ny fampagnantegnana ny hagnavotana antsena amin'ny alalan'i Jesosy Kristy.23Ary talohan'ny nahatongavan'ny finoana, antsena de nitanana ho babo takô ambanin'ny lalàna nigadrena mandra-pisian'ny finoana. 24Ka avy takeo ny lalàna de nanjary mpiambina antsena nandra-pihavin'i Kristy, mba ho vômarina amin'ny finoana antsena. 25Fa izô de tonga izany finoana izany, ka tsy akeo ambanin'ny mpiambina koza antsena. 26Fa andreo jiaby de zanak'Andriamanitra akô amin'ny finoana an'i Kristy Jesosy.2728Fa maro amindreo izegny natô batisa takô amin'i Kristy no nandre an'i Kristy. Ary tsy misy koza na Jiosy na Grika, na andevo na olon'afaka, na lahy na vavy, fa reka my andreo akô amin'i Kristy. 29Ka raha an'i Kristy andreo, de taranak'i Abrahama, sy mpandova araka izegny fampangnantegnana andreo

Chapter 4

1Magnambara zaho fa ny mpandova, raha mbola zaza izy, de tsisy hafa amin'ny andevo, na de tompon'ny raha jiaby aza izy. 2Kanefa izy de akeo ambany fifehezan'ny mpiambina sy ny mpagnasary ny raha sarobidy mandra-pahatongan'ny daty izegny napetraky ny abany.3Ka kara izany my koà, tamintsena mbola zaza, de nandevozin'ny lalàn'ny fitsipi-pampianaran'izô tontolo izô. 4Fa ndreka tonga ny fahafenoan'ny fotoana, de nandefa ny Zanagny Andriamanitra, izegny natera-biavy, nateraka takô ambany lalàna. 5Nagnano izany Izy mba hagnavotana reo izegny ambanin'ny lalàna, mba hahafahantsena mandre ny fananganana ho zanaka.6Ary satria zanaka andreo, de nirahin'Andriamanitra ho akô am-pontsena ny Fagnahin'ny Zanangny, izegny magnantso hoe: "Aba, Ray." 7Noho izany de tsy andevo koza anô, fa zanaka, ary raha zanaka, de mpandova amin'ny alalan'Andriamanitra my koà anô.8Fa tamin'izany fotoana izany, tamindreo mbola tsy nahafantatra an'Andriamanitra, de natô ho andevonjareo izegny, amin'ny hery vôzagnahary, de tsy andriamanitra sè. 9Fa amin'izô andreo de nanjary nahafantatra an'Andriamanitra, na koa hoe fantan'Andriamanitra andreo, ka ahoana no hiheverandreo amin'ny fombafombam-pianarana malemy no sady tsisy dikany? Te ho andevozina ndreka ma andreo?10Mandinika reo andro sy reo vola ary reo vanim-potoana sy taona reo andreo! 11Magnahy ny amindreo zaho fa sode ho raha foagna ny asako takeo amindreo.12Mengavy andreo zaho, ry rahalahy, magnanova kara anay, safè zaho my koà de efa nanjary kara andreo. Tsy nagnano ratsy taminay andreo. 13Kanefa fantandreo fa noho ny aretim-batagnanay no nagnambarako tamindreo ny filazantsara vôlohagny. 14Na de nitondra andreo tamin'ny fakam-pagnahy aza ny toe-batagnanay, de tsy nagnano tsisy dikany na nagnilika anay andreo. Fa niresindreo ho kara hoe anjelin'Andriamanitra koza zaho, kara ny hoe zaho se no Kristy Jesosy.15Akeza, noho izany, ny fahasoavandreo amin'izô fotoana? Fa mijoro vavolombelogna amindreo zaho fa, raha azondreo atô, de nalandreo ny masondreo ka namiandreo anay izany. 16Ka noho izany, efa nanjary fahavalondreo ma zaho satria mizaka ny marina amindreo?17Zareo de mazoto ny hitarika andreo, fa tsy amin'ny tsara. Te agnidy andreo akagny avelagny zareo, mba hanagnandreo farisiam-po ho anjareo. 18Tsara fogna ny fanagna farisiam-po amin'ny tanjogna tsara, ary tsy ndreka miaraka amindreo my zaho.19Zanako ô, mbola mijaly amin'ny fararian'ny famerana ho andreo ndreka zaho mandra-piforonan'i Kristy akô amindreo. 20Magniry zaho mba ho afaka miaraka amindreo amin'izô fotoana izô ary hagnova ny feoko, satria sahiran-tsegna noho ny amindreo zaho.21Zakeo aminay, andreo izegny magniry ny ho akeo ambany lalàna, ma tsy miteno ny lalàna ma andreo? 22Satria vôsoratra fa i Abrahama de nanan-janaka roy lahy, ny reka avy amin'ny andevo vavy ary ny reka avy amin'ny viavy afaka. 23Fa ny reka de nateraky ny andevo viavy araka ny nofo, fa lay reka hafa de nateraky ny viavy tamin'ny zaka fampagnantegnana.24Reo raha reo de azo resina ho kara fagnoarana, satria reo viavy reo de magnambara fagnekena roy. Ny reka aminjareo de avy amin'ny tagnambonan'i Sinay ary nametra zaza ho andevo izy. Izy io de i Hagara. 25Ary i Hagara de mampiseho ny tendrombohitra Sinay akagny Arabia; ary mampiseho an'i Jerosalema amin'izô fotoana izô, satria nandevozina niaraka taminjareo zanagny izy.26Fa i Jerosalema izegny akagny ambony de afaka, ary izy no renintsena. 27Satria vôsoratra hoe: "Mifalia, anô ry naman'izegny tsy nametra. Magnantsognantsova mafy ary magnanova fengeana fifaliana, anô izegny tsy mijaly amin'ny fararian'ny fiterahana. Satria ny zanaky ny viavy izegny nafoy de maro tahatra ny an'ny viavy manambady."28Fa andreo, ry rahalahy, kara an'i Isaka, de zanaky ny fampagnantegnana. 29Tamin'izany fotoana izany ny olona izegny teraka araka ny nofo de nagnenjika izegny teraka araka ny Fagnahy. Kara izany my koà amin'izô fotoana zô.30Kanefa ino no zaken'ny Soratra Masina? "Alifaso akagny ny andevo vavy sy ny zanagny lahy. Fa ny zanaka lahin'ny andevo vavy de tsy hifampizara lova amin'ny zanaky lahin'ny viavy afaka." 31Noho izany, ry rahalahy, tsy zanaky ny andevo vavy antsena, fa zanaky ny viavy afaka.

Chapter 5

1Ho amin'ny fahafahana no nagnafahan'i Kristy antsena. Miorena tsara, noho izany, aza magneky ho ambany ziogan'ny fagnandevozana ndreka. 2Indro, zaho, Paoly, mizaka amindreo fa raha mamela ny tegnandreo ho forena andreo, de tsy hahasoa andreo amin'ny fomba jiaby Kristy.3Mijoro vavolombelona amin'ny olona tsirekireka izegny mamela ny tegnany ho vôfora ndreka zaho fa votery hagnaraka ny lalàna jiaby izy. 4Tafasaraka tamin'i Kristy andreo, izegny te ho hamarinina amin'ny lalàna; ary tsy miegna fahasoavana koza andreo.5Fa amin'ny alalan'ny Fagnahy, amin'ny finoana, no handiasantsena mafy ny fagnantenana ny fahamarinana. 6Akô amin'i Krsisty Jesosy de tsy midika na ino na ino na vôfora na tsy vôfora, fa ny finoana miasa amin'ny fitiavana my. 7Fa nihazakazaka tsara andreo. Zovy no nanakana andreo tamin'ny fagnajana ny marina? 8Izany fandresen-dahatra izany de tsy avy amin'lay nagnantso andreo.9Levira bitika no nampitombo ny koba jiaby. 10Fa matoky ny Tompo zaho fa tsy hanagna fomba fijery hafa andreo. Fa ny reka izegny mampikorontana andreo no hagnefa ny sazy, na zovy izy na zovy.11Ry rahalahy, raha mbola mitory amin'ny famorana zaho, nahoana zaho no mbola enjehina? Amin'izany de ho afaka tokoatra ny fahatafintohinan'ny hazofijaliana. 12Fa ho an'izegny manakorontana andreo, enga anie ka hanapaka ny tegnany zareo!13Fa nantsovana ho amin'ny fahafahana andreo, ry rahalahy. Nefa aza ampesena ho irika amin'ny filan'ny nofo ny fahafahandreo; fa koza, amin'ny alalan'ny fitiavana ka de mifanompoa. 14Fa ny lalàna manontolo de tanteraka agnaty didy tokana; akô amin'ny hoe: "Tiava ny namanô kara ny tenganô." 15Fa raha mifagnifatra sy mifampihinana andreo, de mitandrema sode hifandringagna.16Fa hoy zaho, mandehana araka ny Fagnahy de tsy hahatanteraka izegny filan'ny nofo andreo. 17Fa manohitra ny Fagnahy ny filan'ny nofo, ary manohitra ny filan'ny nofo ny fagnirin'ny Fagnahy. Fa mifanohitra ireo, mba tsy hahafahandreo magnano izegny raha tiandreo. 18Fa raha tarihin'ny Fagnahy andreo de tsy ho ambanin'ny lalàna.19Amin'izô fotoana de mibaribary ny asan'ny filan'ny nofo: fijangajangana, fahalotoana, fijejojejoana, 20fanompoan-tsampy, famosaviana, fankahalana, fifandirana, fahasarotam-piaro, fipoahan'ny fahavignirana, fifandrafiana, fisaraham-bazagna, fizarazarana, 21fialognana, fahamamoana, fagnakorontagnana, ary ny raha mitovy amin'izany. Mampitandrina andreo zaho, kara ny efa nampitandremako andreo taloha, fa tsy handova ny fanjakan'Andriamanitra izegny magnano ireo raha ireo.22Fa ny vokatry ny Fagnahy de fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahavandriana, fahatsaram-pagnahy, fagnasoavana, finoana, 23fahatsaram-pagnahy, ary fahafehezan-tegna; tsy misy lalàna manohitra raha kara an'izany. 24Zareo izegny an'i Kristy Jesosy de efa nagnombo ny toetra feno fahotana niaraka tamin'ny fahafinaretany sy ny filàny.25Raha miegna amin'ny Fagnahy antsena, ôka handeha araka ny Fagnahy my koà. 26Oka antsena tsy hifampieboebo fahatany, hifandrangitra, ary hifampialogna.

Chapter 6

1Ry rahalahy, raha misy olona azon'ny ota, de andreo izegny ara-pagnahy no tokony hangerigna ananjy amin'ny fahamoram-pagnahy dreka. Mihevera ny tegnanô mba tsy ho azon'ny fakam-pagnahy koa anô. 2Mifampizarà ny mavesatra, ary amin'izany de tanteraho ny lalàn'i Kristy.3Fa raha misy olona mihevitra ny tegnany ho raha kanefa tsinotsino, de mamitaka ny tegnany izy. 4Tokony handinika ny asany aby ny tsirekireka, mba ho amin'ny tegnany my ny antony hipoerapoerany fa tsy amin'olon-kafa. 5Fa samy hitondra ny entany aby ny olona tsirekireka.6Ny olona izegny nampenarina ny teny de tsy mentsy mizara ny raha tsara jiaby amin'izegny mampianatra. 7Aza magneky ho fitahina. Tsy azo afokefokena Andriamanitra, fa izegny jiaby ambolen'ny olona no ho vileziny my koà. Ho an'izegny mamboly voa amin'ny toetrany feno fahotana, de avy amin'izany no hambilezany ny faharavana. 8Izegny mamboly voa amin'ny Fagnahy, de amin'ny Fagnahy no hambilezany ny fiegnana mandrakizegny.9Oka antsena tsy ho reraka amin'ny fagnanovan-tsoa, fa hambely ny vokatra antsena amin'ny fotoana mety, raha tsy milavo lefogna antsena. 10Ka noho izany, satria managna fahafahana antsena, de ôka hagnano ny tsara amin'ny olona jiaby, indrindra fa amin'ny mpianakavin'ny finoana.11Zahano ny hagnoasan'ny soratra izegny nosoratan'ny tagnako ho andreo. 12Izegny te-hiseho ho tsara akô amin'ny nofo no miezaka manery andreo mba ho forena. Magnano izany zareo mba hialana amin'ny fagnenjehana nohon'ny hazofijalian'i Kristy. 13Na zareo izegny tsy vôfora aza de tsy mitandrina ny lalàna, nefa tianjareo ho forena andreo mba hieboeboanjareo amin'ny nofondreo.14Nefa tsy hieboebo na oviana na oviana afa-tsy amin'ny hazofijalian'i Jesosy Kristy Tompontsena anie zaho, izegny nagnomboana an'izô tonotolo izô takeo aminay, ary zaho kosa tamin'izô tontolo izô. 15Fa ny famorana na ny tsy famorana de samy tsy misy dikany, fa ny fiegnam-bôvô no misy dikany. 16Ho an'izegny miegna araka izany fomba izany, de ho aminjareo anie ny fedanana sy ny famindram-po, eka, ho amin'Israelin'Andriamanitra my koà.17Manomboka izô de ôka tsy hisy hamokafoka anay, fa mitondra ny famantarana an'i Jesosy amin'ny vatagnanay zaho. 18Ho fagnahinindreo anie ny fahasoavan'i Jesosy Kristy Tompontsena, ry rahalahy. Amena.

Philippians

Chapter 1

1Paoly sy Timoty, mpanompon'i Jesosy Kristy, ho anjareo jiaby vôtokana ho an'i Jesosy Kristyy izegny akagny Filipy, miaraka amin'ireo mpiandrekitra sy ny diakona. 2Ho amindreo anie ny fahasoavana sy fedanana avy amin'Andriamanitra Abantsena sy Jesosy Kristy Tompo.3Misôtra ny Andriamanitranay zaho amin'ny fahatsiarovako andreo. 4Akô amin'ny vavakanay ho andreo jiaby, de amin'ny fifaliana hatragny no agnanovako ny fivavahako. 5Magnomia fisôrana zaho nohon'ny amin'ny fiombonandreo amin'ny filazantsara letry tamin'ny andro vôlohagny ka jisika izô. 6Mahatoky an'izô raha izô zaho, Izy izegny nagnandogna asa tsara tamindreo de hanohy hagnatanteraka izany jisika amin'ny andron'i Jesosy Kristy.7Fa tsara aminay ny mahatsapa karan'izany ny amin'ny momba andreo jiaby satria akato am-poko andreo. Andreo jiaby de mpiara-miasa taminay na tamin'ny fahasoavana na tamin'ny figadrako sy tamin'ny fiarovako na koa tamin'ny fagnamafisana ny filazantsara. 8Fa Andriamanitra no vavolombelognanay, fa manigna andreo tokoatra zaho amin'ny famindram-pon'i Kristy Jesosy.9Ary vavakanay ny: mba hitombo hatragny hatragny ny fitiavandreo amin'ny alalan'ny fahalalana sy amin'ny fahazavan-tsegna jiaby. 10Mivavaka ho an'izany zaho mba hagneky izegny tegna tsara andreo, mba ho mora fo sy tsy manan-tsigny amin'ny andron'i Kristy. 11Mivavaka zaho mba ho fenon'ny vokatry ny fahamarinana izegny avy amin'i Jesosy Kristy andreo, mba ho voninahitra sy fiderana an'Andriamanitra12Ary tioako ho fantandreo, ry rahalahy, fa ireo raha izegny nisy taminay de niasa ho amin'ny fampandroasoana ny filazantsarsa tokoatra. 13Vokatr'izany, ny fatorana nahazo anay takô amin'i Kristy de niharihary nagneragna an'ireo mpiambina ny lapa manontolo sy ireo olona hafa. 14Ny ankamaroan'ireo rahalahy de managna toky lehibe kokoa akô amin'ny Tompo tahatra ny fatorana mahazo anay, ary masahy magnambara tsy amin-tahotra ny teny zareo.15Ny sasagny aza de mitory an'i Kristy amin'ny fialogna sy fifandrafiana tokoatra, ary zareo hafa koza amin'ny sitrapo tsara. 16Itôgna farany de magnano izany am-pitiavana, mahafantatra fa zaho de napetraka aketo mba ho fiarovana ny filazantsara. 17Fa isôgna volohagny de mitory an'i Kristy amin'ny fitiavan-tegna, fa tsy amin'ny fahamoram-po. Zareo iregny de mihevtra fa hagnakorontana anay raha mbola akô amin'ny fifatorako zaho.18Ino arika? Amin'ny fomba jiaby, na amin'ny fetsaram-belatsihy na amin'ny fahamarinana, Kristy no toriana, ary mifaly amin'izany zaho. Eka, ho faly zaho, 19fa fantako fa izany de hiefara amin'ny fagnafahana anay amin'ny alalan'ny vavaka atôndreo sy ny fagnampian'ny Fagnahin'i Jesosy Kristy.20Fa araka ny fiandrandrako fatratra sy ny fagnantegna azo antoka fa izaho de tsy ho megnatra tokoatra, fa kosa hanagna ny fahasahiana jiaby, amin'izô, kara ny hatramin'izegny, de hisondrotra akato amin'ny tegnako i Kristy, na amin'ny fiegnana na amin'ny fahafatesana. 21Ho anay, ny hoe velona de Kristy ary ny maty de tombony.22Raha miegna amin'ny nofo zaho, de midika asa mahavagnona ho anay izany. Kandrefa ino no ho fidiko? Tsy fanatako. 23Fa latsaka antegnantegnan'izy roy zaho. Ny fagniriako de ny handeha ary hiaraka amin'i Kristy, izegny tsy lavitra, 24kandrefa ny mitoetra akô amin'ny nofo de ilena kokoa noho andreo.25Noho ny faharesena lahatra ny amin'izany, de fantako fa zaho de hitoetra sy hanohy hiaraka amindreo jiaby, ho an'ny fandrosoandreo sy fifaliana akô amin'ny finoana. 26Mba hanagna ny antony hireharehana akô amin'i Kristy Jesosy akô angatiko andreo ndreka mierigna akagny amindreo ndreka zaho. 27Mitondrà tegna amin'ny fomba magneva ny filazantsaran'i Kristy, ka na mamangy andreo zaho na tsy akeo, de afaka ny haregny ny momba andreo, fa mijoro mafy amin'ny fagnahy reka andreo, amin'ny segna reka miara-miezaka ho an'ny finoana ny filazantsara.28Ary aza magneky ampatahorin'ny fahavalondreo. Mariky ny fahapotehanjareo izany, fa mariky ny fagnavotana andreo koza _ ary izany de avy amin'Andriamanitra. 29Fa namiana andreo izany, ho an'i Kristy, tsy hoe mba hinoana Ananjy fogna, fa hijaliana ho Ananjy koà, 30fa andreo de managna ady mitovy amin'izegny hitandreo taminay, ary izegny regnindreo aminay my koà amin'izô.

Chapter 2

1Raha misy fampaherezana akô amin'i Krsity, raha misy fampionognana avy amin'ny fitiavany, raha misy firesana akô amin'ny Fagnahy, raha misy famindrampo lehibe sy famonjena, 2de atôvy feno ny fifaliako amin'ny fisegnana kara izany, amin'ny fanagnana fitiavana mitovy, amin'ny firesana am-pagnahy, ary amin'ny fanagnanana tanjogna mitovy.3Aza magnano na ino na ino amin'ny fitiavan-tena na fagnandratan-tegna fahatany. Fa amin'ny fagnetren-tegna koza de mihevera ny hafa mihoatra noho ny tegnandriô. 4Tokony tsy hiaragna izegny mahasoa ny tegnandriô fogna ny tsirekireka amindriô, fa izegny mahasoa ny hafa my koà.5Mihevera kara ny fisegnana izegny takô amin'i Kristy Jesosy my koà. 6Efa nisy araka ny tarehin'Andriamanitra Izy, fa tsy nihevitra izany fitoviany amin'Andriamanitra izany ho raha hifaharana Izy. 7Ny mifanohitra amin'izany, nofoagnany ny tegnany. Nalaka ny tarehin'ny mpanompo Izy. Ary niseho ho kara olombelona jiaby Izy. Ary hita fa nitovy tamin'olombelona Izy. 8Nagnetry tegna Izy ary nanjary mpankato jisika tamin'ny fahafatesana, de lay fahafatesan'ny hazofijaliana!9Noho izany de nasandratr'Andriamanitra agnambo de agnambo my koà Izy. Namiany lay Agnarana ambonin'ny angarana jiaby Izy. 10Natôny izany mba ho amin'ny Agnaran'i Jesosy no handongalifan'ny lohalitra jiaby, ny lohalitr'izegny akagny an-dagnitra sy aketo ambonin'ny tany ary ny ambanin'ny tany. 11Natôny izany mba hagnekian'ny lela jiaby fa i Jesosy Kristy no Tompo, ho voninahitr'Andriamanitra Baba.12Noho izany, ry malalako, kara ny ankatoavandriô hatragny, tsy akiô amin'ny fagnatrehako my fa mihoatra lavitra aza amin'izô fotoana ndreka tsy akiô zaho, de atoro amin'ny tahotra sy horohoro ny famonjena andriô. 13Satria Andriamanitra no miasa akô amindriô mba ho vognona hagnano no sady hiasa ho an'ny fifaliana andriô.14Anovy tsy am-pitaregna na fiadian-kevitra ny raha jiaby. 15Magnanova kara izany mba hanjary zanak'Andriamanitra tsisy tsiny, sady marina, tsy misy kilama andreo. Miasà kara izany mba hanjelanjelafandriô kara ny fahazavana amin'izô tontolo izô, akiô agnivon'ny taranaka meloka sady maditra. 16Mifahara mafy amin'lay Tenin'ny fiegnana mba hanagnako antony hireharehana amin'ny andron'ny Kristy. Fa amin'izany de fantako fa tsy very megna ny nihazakazahako ary tsy very megna ny nesako.17Fa na de araraka ho fagnatitra akiô amin'ny sorogna sy ny fanompoam-pinoana aza zaho, de mifaly zaho, ary miara-mifaly amindriô jiaby zaho. 18Ary kara izany koa no hifaliandriô, ary miara-mifaly aminay andriô.19Fa magnantegna akô amin'ny Tompo Jesosy zaho fa handefa an'i Timoty akagny amindriô malady, mba hatanjaka my koà zaho ndreka fantako ny raha momba andriô. 20Fa tsy managna olona hafa mitovy toe-tsegna aminanjy zaho, izegny tegna magnahy ny amindriô. 21Fa izy jiaby de miaragna ny tombontsoany, fa tsy ny rahan'i Jesosy Kristy.22Fa fantandreo ny fahatsarany, satria kara ny zaza manompo ny abany, no nanompoany niaraka taminay takô amin'ny filazantsara. 23Ka magnantegna ny handefa ananjy zaho raha vô hitako hoe karakory ny fandehan-draha aty aminay. 24Fa matoky ny Tompo zaho fa ho avy akagny malady koà ny tegnako.25Fa mieritreritra zaho fa ilaina my koà ny mangerigna an'i Epafrodito akagny amindriô. Rahalahiko izy, mpiara-miasa no sady mpiara-miady, sady mpitondra hafatra izy no mpanompo izegny ileko. 26Fa azom-pahoriana mafy izy, ary manigna ny hiaraka amindreo jiaby izy, satria regnindreo fa narary izy. 27Fa tegna narary izy ka efa seka maty. Fa namindra fo taminanjy Andriamanitra, ary tsy taminanjy reka , fa taminay my koà, mba tsy hanagnako alahelo ambonin'ny alahelo.28Ka de am-parisihana lehibe jiaby no handefasako ananjy, ka ndreka hahita ananjy ndreka andriô de mba hifaly ka de ho afaka kokoa amin'ny fagnahiako zaho. 29Reso akô amin'ny Tompo i Epafrodito miaraka amin'ny fifaliana jiaby. Hajeo ny olona kara ananjy. 30Fa ho an'ny asan'i Kristy no nagnakekezany ny fahafatesana. Fa nagnano vy very ny egna hanompoana anahy izy mba hamitany izegny tsy afaka natondriô tamin'ny fanompoana taminay.

Chapter 3

1Farany, ry rahalahy, mifalia akô amin'i Tompo. Tsy manahirana anay ny magnerigna manoratra iregny raha iregny ho anarô. Iregny raha iregny de hiaro anarô. 2Mitandrema anarô amin'ny amboa. Mitandrema amin'ny mpagnano ratsy. Mitandrema amin'ny fanapahana rantsam-batagna. 3Fa antsena de vôfora. Ary antsena no manompo amin'ny Fagnahin'Andriamanitra. Ary antsena no mirehareha akô amin'i Kristy Jesosy, ary tsy mitoky amin'ny nofo.4Na izany aza, zaho tegnanko de afaka mitoky amin'ny nofo. Raha misy olona mihevitra fa izy de managna fahatokisana amin'ny nofo, de afaka magnano mihoatra an'izany zaho. 5Natô famorana tamin'ny andro fahavalo zaho, teraka takô amin'ny vahoakan'Israely, takô amin'ny fokon'i Benjamina, Hebreo takô aminjarô Hebreo zaho; araka ny lalàna, de Fariseo zaho.6Tamin'ny zotom-po, no nagnanjehako fengonana; raha ny amin'ny fahamarinana ambanin'ny lalàna, de tsy nanan-tsigny zaho. 7Fa na ino na ino tombony ho anay, de niresiko ho kara fatiantoka iregny ho an'i Kristy.8Raha ny tegna izy, nikôntiko ho faty antoka aby ny raha jiahy nohon'ny halebiazan'ny fahalalana an'i Kristy Jesosy Tompoko. Noho Izy de nariako ny raha jiaby. Nikôntiko ho fakofakon-draha iregny mba hahazaoako an'i Kristy 9ary ho hita akô Aminanjy zaho. Tsy managna ny fahamarinana ho an'ny tegnako avy amin'ny lalàna zaho. Fa koza, managna ny fahamarinana izegny tamin'ny alalan'ny finoana an'i Kristy zaho, fahamarinana avy amin'Andriamanitra izegny mifototra amin'ny finoana. 10Ka amin'izô de te hahafantatra Ananjy sy ny herin'ny fitsanganana tamin'ny maty ary ny fiombognana amin'ny hazofijaliana zaho. Te hiova amin'ny alalan'i Kristy zaho mba hanahaka ny fahafatesany, 11mba hahafahako mahatsapa ny fitsanganana amin'ny maty.12Tsy marina fa efa nadre an'ireo raha ireo saady zaho, na koà hoe efa tanteraka zaho. Fa miezaka zaho ny mba handrombahako lay nandrombahan'i Jesosy Kristy anay. 13Ry rahalahy, tsy mieritreritra zaho fa ny tegnako de efa nandrombaka an'izany. Fa misy raha reka: Adignoko izany agny afara ary miezaka ho an'izengy akiô alôhako zaho. 14Miezaka magnatratra tanjogna zaho mba hahazaoako ny lokan'ny antso avy agny aminAndriamanitra akô amin'i Kristy Jesosy.15Antsena jiaby izegny managna fahamatorana, ôka antsena hihevitra kara an'izany; ary raha managna eritreritra hafa momba ny raha jiaby, de atoron'Andriamanitra aminarô my koà zany. 16Kandrefa, na ino na ino efa tratrantsena, ôka antsena hifahatra anmin'izany.17Oka ho mpala-tahaka anay, anarô ry rahalahy. Diniho akeky zareo izegny mandeha araka ny ohatra izegny hitanarô aminay. 18Maro ny mandeha _izegny efa nizakeko anarô matetika, ary amin'izô zaho de mizaka aminarô amin-dranomaso _kara ny fahavalon'ny hazofijalian'i Kristy. 19Fandringanana no fefaranjarô. Fa ny kibony no andriamanitrananjy, ary ny fieboeboenjarô de akô amin'ny fahamegnarany. Misegna ny raha amin'izô tontolo izô zareo.20Fa akagny an-dagnitra ny fanjakantsena, izegny hiandrandrantsena ny Mpamonjy my koà, de ny Tompo Jesosy Kristy. 21Izy de hagnova ny vatagnantsena izegny malemy mba ho vatagna manahatra ny vatagnananjy feno voninahitra, izegny natô tamin'ny herin'ny fahefany mba hampagneky ny raha jiaby amin'ny tegnany.

Chapter 4

1Noho izany, ry rahalahy malalako izegny aninkanignako, fifaliako sy satro-boninahitranay, amin'izany de mijoroa tsara akô amin'ny Tompo, ry namako tiako. 2Mengavy an'i Eodia zaho, ary mengavy an'i Syntyke, miresa-segna amin'ny Tompo. 3Ary, mangataka aminô my koa zaho, ry namako mpara-mizoga: Tahio ireo viavy reo. Satria zariô de niara-niasa taminay tamin'ny fagnaparitahana ny filazantsara niaraka tamin'i Klementa sy namana mpiara-miasa aminay ambiny jiaby, izegny akô amin'ny Bokin'ny Fiegnana ny agnaranjariô.4Mifalia akô amin'ny Tompo lalandava. Hoy my zaho, mifalia. 5Avilè ho fantan'ny olona jiaby ny fahamoram-ponarô. Efa akeky ny Tompo. 6Aza magnahy na amin'ino na ino. Fa koza, amin'ny raha jiaby amin'ny alalan'ny vavaka sy fangatahana, miaraka amin'ny fisôrana, ôka ho fantan'Andriamanitra ny fangatahandriô. 7Ary ny fedananan'Andriamanitra, izegny mihoatra ny fahaliana jiaby, hiaro ny fonarô sy ny fisegnanarô jiaby akô amin'i Kristy Jesosy.8Ary farany, ry rahalahy, na ino na ino marina, na ino na ino manan-kaja, na ino na ino managna ny rariny, na ino na ino madio, na ino na ino masasara, na ino na ino zakena fa tsara, raha misy raha tegna tsara, raha misy raha toko ny ho deraina, de miheverea an'iregny raha iregny. 9Ny raha izegny niarahanarô sy azonarô sy regninarô ary hitanarô taminay, de atôvy iregny raha iregny, ary ny Andriamanitry ny fedanana hiaraka aminarô.10Feno hafaliana akô amin'ny Tompo zaho satria navôzinarô koà amin'izô ny fiheveranarô anay. Efa nihevitra anay tegnany anarô takeo aloha, fa tsy nisy fahafahana ho anarô mba hagnampy. 11Tsy mizaka an'izany zaho satria akô agnatin'ny tsy fahampiana. Fa efa nianatra ny hifaly amin'izegny toe-draha-miseho jiaby zaho. 12Fantako ny hoe boty ary fanatko koa ny hoe manam-be. Amin'ny fomba jiaby sy amin'ny raha jiaby de nianatra ny tsembaratelo'ny fihinanam-be sy ny harefognana zaho, ary ny hoe manam-be sy ny hoe akô agnatin'ny tsy fahampiana. 13Afaka magnano raha jiaby zaho amin'ny alalan'lay mpampahery anay.14Kandrefa, anarô nagnano ny tsara taminay tamin'ny fahasahiranako. 15Ary anarô Filipiana mahafanatatra fa tamin'ny fendohan'ny filazantsara, ndreka niala an'i Makedonia zaho, de tsy nisy fengonana nanohagna anay raha ny mahakasika ny fagnomezana sy ny fandresana ankoatra anarô. 16Na taminay takagny Tesalonika aza, de nandefa fagnampiana ho an'izegny nilekomihoatra my ndremandeha anaro. 17Tsy hoe mirgna fagnomezana zaho. Fa koza, miaragna ny vokatra izegny magnakatra ny voninahitranarô zaho.18Nandre an'ireo raha jiaby ireo zaho, ary managna maro de maro. Fa feno zaho. Vôreko avy tamin'i Epafrodito ny raha avy taminarô. Ireo de hagnitra tsara fofogna, izegny fagnatitra azo ekena sy ankasitrahin'Andriamanitra. 19Ary ny Andriamanitranay hameno izegny ilainarô jiaby araka ny haren'ny voninahiny akô amin'i Kristy Jesosy. 20Ary ho an'Andriamanitra sady Abantsena anie ny voninahitra mandrakizegny doria. Amena21Magnanova veloma amin'ny mpino akô amin'i Kristy Jesosy. Ireo rahalahy izegny miaraka aminay de magnano veloma anarô. 22Ireo mpino izegny aketo de magnano veloma anarô, indrindra ireo izegny avy akô amin'ny Fianakavian'i Kaisara. 23Ny fahasovana'i Jesosy Krsity anie ho amin'ny fagnahinarô. [Fagnamarihana: Misy ny fandikana ansanagny magnampy hoe: "Amena."]

Colossians

Chapter 1

1Paoly, apostolin'i Kristy Jesosy amin'ny alalan'nhy sitrapon'Andriamanitra, ary i Timoty rahalahintsena, 2ho an'ireo mpino sy ny rahalahy mahatoky akô amin'i Kristy izegny akagny Kolosia. Ho amindreo anie ny fahasoavana, ny sy fedanana avy amin'Andriamanitra Abantsena. [Fagnamarihana: Ny dika-teny ansanagny de manovogna hoe: "sy Jesosy Kristy Tompo"]. 3Magnomia fisôrana an'Andriamanitra antsena, lay Aban'ny Jesosy Kristy Tompontsena, ary mivavaka lalandava ho andreo zehè.4Efa regninè ny finoanadreo an'i Kristy Jesosy ary ny fitiavana izegny anagnandreo ho an'izegny jiaby vôtokana ho an'Andriamanitra. 5Managna izany fitiavana izany andreo noho ny fagnantegnana azo antoka natokana ho andreo akagny an-dagnitra. Regninadreo ny momba io fagnantegnana azo antoka io talohan'ny teny amin'ny fahamarinana, ny filazantsara, 6izegny tonga tamindreo. Ity filazantsara ity de mitondra vokatra ary mitombo magnerana an'izô tontolo izô. Izany de efa nagnano an'izany taminô my koà nanomboka tamin'ny andro narignesanô ananjy ary nianaranô ny momba ny fahasoavan'Andriamanitra akô amin'ny marina.7Ity filazantsara ity izegny araka ny nianarandreo tamin'i Epafra, lay mpiara-manompo malalantsena, izegny mpanompo mahatokin'i Kristy amin'ny agnarantsena. [Fagnamarihana: misy dikan-teny sasany magnano hoe: "Amin'ny agnarandreo"]. 8Nampafantarin'i Epafra anè ny fitiavandreo ny Fagnahy.9Noho io fitiavana io, jisika tamin'ny andro narignesanè an'izany de tsy negnina nivavaka ho andreo zehè. Nangataka zehè mba ho feno fahalalana ny sitrapony amin'ny fahakantiana jiaby sy ny fahalalana ara-pagnahy andreo. 10Nivavaka zehè mba handeanandreo am-pahamendrehana akô amin'ny Tompo amin'ny fomba ankasitrahan'Andriamanitra. Nivavaka zehè mba hahavagnona amin'ny asa fagnasoavana jiaby andreo ary mba hitombo fahalalana an'Andriamanitra.11Mivavaka zehè mba hahazo hery amin'ny fahezana jiaby andreo araka ny herin'ny voninahitra amin'ny fivandriana sy fahavandriana. 12Mivavaka zehè mba hagnomia fisorana ny Raintsena am-pifaliana andreo, izegny nahafahandreo nanagna ny anjara lovan'ny mpino amin'ny fahazavana. [Fagnamarihana: misy dikan-teny sasagny magnano hoe: "izegny nahafahantsena nanagna anjara"].13Nagnavotra antsena tamin'ny fanapahan'ny mizigna sy namindra antsena ho akagny amin'ny fanjakan'ny Zanaka lahy malalany Izy. 14Akô amin'ny zanagny lany no anagnantsena ny fagnavotana, ny fambolana ny fahotana. [Fagnamarihana: misy dikan-teny sasagny magnano hoe: "Akô amin'ny Zanagny no anagnantsena fagnavotana amin'ny alalan'ny ràny, de ny fambolana ny fahotana."]15Ny Zanaka lahy de tarehin'lay Andriamanitra tsy hita maso. Izy lay teraka voalohagny tamin'ny fagnamboarana. 16Fa tamin'ny alalany no nagnamboarana ny raha jiaby, reo izegny agny an-dagnitra sy reo izegny aketo an-tany, ny raha hita maso na ny tsy hita maso. Na ny seza fiandrianana, na ny fahefana, na ny mpitondra fanjakana, na ny manam-pahefana, ny raha izegny nampitahena taminanjy sy ho ananjy. 17Izy no nialoha ny raha jiaby, ary akô aminanjy no maharitra ny raha jiaby.18Izy no lohan'ny vatagna, sy ny fengonana. Izy no fiendohana sy voloam-petra takeo agnivon'ny maty, ka Izy no nanagna pilasy volohagny takeo agnivon'ireo raha jiaby reo. 19Satria sitrapon'Andriamanitra ny tokony hiegnan'ny fahafenoana jiaby akô Aminanjy, 20ary mba hampihavana ny raha jiaby amin'ny tegnany amin'ny alalan'ny Zanaka lahy. Andriamanitra de nampihavana tamin'ny alalan'ny ran'ny hazofijaliany. Andriamanitra no nampihavana ny raha jiaby tamin'ny tegnany, na ny raha jiaby aketo ambon'ny tany na ny raha jiaby izegny akagny an-dagnitra.21Nisy fotoana, my koà andreo de, mpivahiny tamin'Andriamanitra ary fahavalony takô an-tsegna sy tamin'ny asa ratsy. 22Fa amin'izô fotoana izô de izy no nampihavana andreo tamin'ny vatagny manontolo tamin'ny alalan'ny fahafatesana. Natôny izany mba hagnanovana andreo ho masina, tsy hana-tsiny sy tsy hanam-pondro akeo agnatrehany, 23raha mahavandry amin'ny finoana andreo, mifahatra sy tsara vahatra, de aza mihataka amin'ny fagnantegnana mahatokin'ny filazantsara izegny regnindreo. Ity no filazantsara izegny nambara tamin'ny olona jiaby izegny noforonina tambanin'ny lagnitra. Ity no filazantsara izegny, nahatonga anay, Paoly, ho mpanompo.24Amin'izô zaho de faly amin'ny fijaliako ho andreo, ary akô amin'ny nofoko no hamenoako izegny tsy feno tamin'ny fahorian'i Kristy ho an'ny tegnany, de ny fengonana izany. 25Noho ny fengonana no naha-mpanompo anay, araka ny andraikitra avy tamin'Andiamanitra izegny namiany anay mba ho andreo, mba hahatanteraka ny zakan'Andriamanitra. 26Io no marina mivony izegny navony nandritra ny taona maro sy ho an'ny taranaka. Fa amin'izô de efa natoro an'ireo izegny mino ananjy izany. 27Taminjareo no tian'Andriamanitra nampahafantarana reo haren'ny voninahitran'ity fahamarinana mivony ity takeo agnivon'ny Jentilisa. Izany de Kristy lay akô aminô, lay tokin'ny voninahitra ho avy.28De Izy lay nitorinè. Nagnanatra ny olona jiaby zehè, ary nampianatra ny olona manontolo tamin'ny fahakantiana jiaby, mba hatolotrantsena feno akô amin'ny Kristy ny olona jiaby. 29Noho izany no hiasako mafy sy hiezahako araka ny tanjagny izegny miasa amin-kery akô aminay.

Chapter 2

1Fa tiako ho fantandriô ny hagnoasan'ny tologna natôko ho anarô, ho anjarô akagny Laodikia, sy ho an'ireo maro tsy mbola nahita anay mivantagna tamin'ny nofo. 2Miasa zaho mba hampahery ny fonjarô amin'ny fampiresan-tsegna anjarô miaraka akô amin'ny fitiavana sy ny harena jiaby amin'ny fahalalana azo antoka, ho amin'ny fahalalana ny fahamarinana mivonin'Andriamanitra, izany hoe, i Kristy. 3Akô aminanjy ny harenan'ny fahakantiana sy izegny fahalalana jiaby no mivony.4Mizaka an'izany zaho mba tsy hisy hitarika anarô amin'ny kabary mandresy lahatra. 5Na de tsy miaraka aminarô akô amin'ny nofo aza zaho, de miaraka aminarô akô amin'ny fagnahy. Faly zaho mahita any filaminanarô tsara sy ny tanjaky ny finoanarô an'i Kristy.6Raha nandre an'i kristy Tompo anarô, de mandehana akô Aminanjy. 7Mifahara mafy Aminanjy, mamahara akô Aminanjy, mamahara amin'ny finoana izegny efa nampianarina anarô, ary mahefà magnomia fisorana.8Mitandrema mba tsy hagnombela olona hanambotra anarô amin'ny alalan'ny filozofia na ny fitaka foagna araka ny fanìn'olona, izegny magnaraka ny toetran'izô tontolo izô. 9Fa akô Aminanjy no mitoetra ny fahatsaran'ny tegnan'Andriamanitra jiaby.10Feno anarô akô Aminanjy. Izy no lohan'ny hery sy ny fahefana jiaby. 11Takô Aminanjy my koa anarô no niforena tamin'ny famorana izegny tsy natôn'olombelona tamin'ny fangalana ny nofo amim-batagna, fa tamin'ny famoran'i Kristy. 12Niara-nalevigna taminanjy tamin'ny batisa anarô, ary takô Aminanjy no nananganana anarô tamin'ny alalan'ny finoana maherin'Andriamanitra, izegny nanangana Ananjy tamin'ireo izegny maty.13Taminarô mbola maty tamin'ny fahotana sy ny tsy fahavitan'ny nofonarô famorana, de izy no namelogna anarô niaraka taminanjy sy namela antsena tamin'ny fahotantsena jiaby. [Fagnamarihana: misy dikan-teny sasagny magnano hoe: "ary namela ny fahotantsena jiaby"]. 14Nifafany ny rakitsoratry ny trosam-pagnafahana sy ny fitsipika manohitra antsena. Nalany aby izany ary nifantsihiny takeo amin'ny hazofijaliana. 15Nalany reo hery sy reo fahefana, ary Izy de nagnano fampisehoana sambe-amaso ho anjarô, nandresy mihoatra anjarô tamin'ny hazofijaliana.16Ka, aza ambela hisy hitsara anarô na amin'ny fihinana na amin'ny fisotroana, na amin'ny andro fety na volana vôvô, na amin'ny andro Sabata. 17Izany de alok'ireo raha ho avy, fa ny tegna izy de i Kristy.18Aza ambela hisy na zovy na zovy izegny mila fegnetren-tegna sy fideran'ny anjely hitsara anarô ka tsy hahazaoanarô ny lokanarô. Ny olona kara an'izany de miditra amin'ny raha hitany ary manjary mieboebo amin'ny fisegnan'ny nofony. 19Tsy mitana ny lohany izy. Izany de avy amin'ny loha izegny namian'Andriamanitra ny vatagna manontolo magneragna ny vanin-tolagnany sy ny hozatrananjy izegny magnomia ka mitana an'izany jiaby izany mba hitambatra; izany de mitombo miaraka amin'ny fampitomboana namian'Andriamanitra.20Raha maty niaraka tamin'i kristy anarô ho amin'ny toetran'izô tontolo izô, nahoana arika anarô no mivelogna sahala amin'ny hoe noteren'izô tontolo izô hoe: 21"Aza miala, aza magnandrana, ary aza mikasika"? 22Izany raha jiaby izany de ho an'ny fahalovana, araka ny torolalana sy ny fampianaran'olombelona. 23Iregny fitsipika iregny de managna ny fahakantian'ny fomba fivavahana noforonin'ny tegna manokana, ny fagnetren-tegna ary ny fampahoriana ny tegna. Fa zarô de tsy manan-kery andesi-manohitra ny fagnirian'ny nofo .

Chapter 3

1Ka raha Andriamanitra no nanangana anarô niaraka tamin'i Kristy, de aragno ireo raha akagny ambony, izegny itoeran'i Kristy akeo an-tagnan'ankavanan'Andriamanitra. 2Mihevera ny raha akagny ambony, fa tsy ny raha aketo an-tany. 3Fa efa maty andriô, ary ny fiegnandriô de mivony miaraka amin'i Kristy akô amin'Andriamanitra. 4Ndreka miseho i Kristy, izegny fiegnandriô, de hiara-hiseho Aminanjy amim-boninahitra my koà andriô. [Fagnamarihana: Ny dikan-teny sasagny de magnano hoe: "Ndreka miseho i Kristy, izegny fignandriô, de hiara-hiseho Aminanjy am-boninahitra my koà andriô.]5Vonoy, avekiô, izegny momba ny aketo an-tany_ de ny fijangajangana, ny fahalotoana, firehetan'ny filàna, fagnirian-dratsy, ary ny fahatendana, izegny fanompoan-tsampy. 6Noho iregny raha iregny no hihavian'ny fahavigniran'Andriamanitra amin'ny zanaky ny tsy fankatoavana. [Fagnamarihana: Ny dikan-teny sasagny de magnano hoe: "Noho iregny raha iregny no nahatonga ny fahavigniran'Andriamanitra."] 7Takô amin'iregny raha izegny nandehanandriô taloha iregny my koà tamindriô mbola niegna takô amin'iregny. 8Fa amin'izô andriô de tsy mentsy magnary an'iregny raha jiaby iregny - fahavignirana, faharangitana, ny fikasan-dratsy, ny fagnasahevana, ary ny zaka magnasaha avy amin'ny vavandriô.9Aza mifamitaka, fa efa nariandriô ny toetra taloha miaraka amin'ny fagnanovana an'izany, 10ary efa nirakofandriô ny toetra vôvô izegny navôzina takô amin'ny fahalalana araka ny pôzin'izegny namorona an'izany. 11Akô amin'izany de tsy misy Grika sy Jiosy, vôfora sy tsy vôfora, barbariana, Skytiana, andevo, olon-kafa, fa i Kristy no raha jiaby, ary akô amin'ny jiaby.12Ka, araka ny maha-olom-bôfidin'Andriamanitra, de mirakofa fahamasina ary fahafenoam-pitiavana, famindram-po, hatsaram-pagnahy, fagnetren-tegna, fahamoram-pagnahy, ary fahavandriana. 13Mifanohàgna. Mifamelà. Raha misy olona reka managna fitaregnana momba ny olona hafa, de mamelà kara ny namelan'ny Tompo andriô. 14Fagnampin'iregny raha iregny, manàgna fitiavana, izegny mamatotra antsena amin'ny fahatanterahana.15Oka ny fedanan'i Kristy handidy akô amin'ny fiondriô. Fa ho amin'izany fedanana izany no nagnantsovana andriô mba ho vatagna tokana. Ary misaora. 16Oka ny zakan'i Kristy hitoetra maro akô amindriô. Amin'ny fahakantiana jiaby, mifampianàra ary mifagnanàra amin'ireo salamo sy fihirana ary hira ara-pagnahy. Mihira amin'ny fisaorana akô am-pondriô ho an'Andriamanitra. 17Na ino na ino atondriô, na amin'ny teny na amin'ny asa, atôvy amin'ny agnaran'ny Tompo Jesosy ny raha jiaby. Magnomeza fisaorana an'Andriamanitra lay Ray amin'ny alalany.18Ry viavy, magnekia ny vadindriô, fa izany no mety akô amin'ny Tompo. 19Ry lilahy, tiavo ny vadindriô, ary aza vignitra aminjariô. 20Ry zanaka magnajà ny ray amandrenindriô amin'ny raha jiaby, fa izany no ankasitrahina akô amin'ny Tompo. 21Ry aba, aza magnano an'izegny mampalahelo ny zanakandriô, mba tsy ho kivy zariô.22Ry andevo, magnajà ny tompondriô araka ny nofo amin'ny raha jiaby, tsy amin'ny asa akeo amaso kara olona mpila-dera, fa fahatsoram-po. Matahora ny tompo. 23Na ino na ino atondriô, miasà avy amin'ny fagnahindriô kara raha ho an'ny Tompo fa tsy ho an'ny olona. 24Fantandriô fa andriô de handre ny valisoan'ny lova avy amin'ny Tompo. Izy no Tompo Kristy izegny tompoindriô. 25Fa izegny magnano ny tsy fahamarinana de handre ny sazy ho an'ny tsy fahamarinana izegny natôny, ary tsy misy fagnavakavahan-tarehy.

Chapter 4

1Ry tompo, amiao anjarô izegny marina sy rariny. Fantanarô fa anarô my koà de managna tompo akagny an-dagnitra.2Mahavandria mandrakariva amin'ny fivavahana. Miambena amin'izany amin'ny fagnomezam-pisaorana. 3Miaraha mivavaka aminè my koà mba hanokafan'Andriamanitra varangaragna ho an'ny teny, mba hizakana ny fahamarinana mivonin'i Kristy. Nohon'ny amin'izany, de vôfatotra zaho. 4Mivavaha mba hahafahako magnazava an'izany, raha tokony hizaka an'izany zaho.5Mandehana amin'ny fahakantiana akagny aminjarô izegny akagny avelagny, ary arararôty ny fotoana. Oka ny zakanarô hiaraka amin'ny fahasoavana lalandava. 6Oka izany mba ho vonton-tsira, mba hahafahanarô mahafantatra ny fomba tokony hamakianarô ny olona tsirekireka.7Raha reo raha momba anay, de i Tykyko no hampahafantatra an'iregny aminarô. Izy de rahalahy malala, mpanompo mahatoky, ary mpiara-manompo akô amin'ny Tompo. 8Nalefako akagny aminarô izy noho izany, mba hahafahanarô mahafantatra ny raha momba anè, ary mba hahafahany mampahery ny fonarô. [Fagnamarihana: Misy dikan-teny taloha sasagny magnano hoe: "nalefako akagny aminarô izy noho izany mba hahafahany mahafantatra reo raha momba anarô, ary mba hahafahany mampahery ny fonarô."] 9Nalefako niaraka tamin'i Onesimosy izy, lay rahalahy mahatoky sady malala, izegny reka aminarô. Zarô no hizaka aminarô. Zarô no hizaka aminaro ny raha jiaby efa nisy taty.10Aristarko, lay mpiara-migadra aminay, de miarahaba anarô, kara izany my koà i Marka, havan'i Barnabasy (izegny nazaoanarô beko; raha minga akagny aminarô izy, de reso), 11ary Jesosy my koà, izegny antsovana hoe Josto. Zarô avy amin'ny vôfora reo koà de mpiara-miasa aminay ho an'ny fanjakan'Andriamanitra. Fampionognana ho anay zarô.12Epafra de miarahaba anarô. Reka aminarô izy ary mpanompon'i kristy Jesosy. Mitologna am-bavaka ho anarô fogna izy, mba hahatanteraka anarô sy hahazaoana antoka tanteraka anarô akô amin'ny sitrapon'Andriamanitra jiaby. 13Fa mijoro vavolombelona ho ananjy zaho, fa miasa mafy ho anarô izy, sy ho anjarô akgny Laodika, ary ho anjarô izegny akagny Hierapolia. 14Lioka lay mpitsabo malala sy Demasy de miarahaba anarô.15Arabeo ireo rahalahy akagny Laodika, sy Nymfa, ary ny fengonana izegny akô an-dragnony. 16Ndreka vôvaky akeo angivonjarô ity taratasy ity, de asevo vakiana akô amin'ny fengonan'ny Laokadiana my koà, ary vakinarô my koà ny taratasy avy akagny Laodika. 17Zakeo i Arikipo hoe: "Tandremo ny asa fanompoana izegny niresinarô takô amin'ny Tompo, fa tokony ho tanterahinarô izany."18Ity fagnanovam-beloma ity de atôn'ny tagnako -Paoly- manokana. Tsarovy ny tady mamatotra anay. Ho aminarô anie ny fahasoavana.

1 Thessalonians

Chapter 1

1Paoly, Silasy, ary Timoty ho an'ny fengonan'ireo Tesaloniana akô amin'Andriamanitra Ray sy Jesosy Kristy Tompo. Ho amindreo anie ny fahasoavana sy ny fedanana. [Fagnamarihana: Ny dikan-teny taloha sasagny de magnano hoe: "Ho amindreo anie ny fahasoavana sy ny fendanana avy amin'Andriamanitra Ray sy Jesosy Kristy Tompo."]2Magnomia fisôrana an'Andriamanitra mandrakariva zehè noho ny amindreo jiaby, ka manognona ho andreo ny vavakanè. 3Zehè de tsy megnina ny mahatsiaro andreo akeo angatrehan'Andriamanitra Abantsena ny asan'ny finoandreo, ny asan'ny fitiavandreo, ary ny fahatokisandreo manohitra ho an'ny ho avy akô amin'i Jesosy Kristy Tompontsena.4Ry rahalahy tian'Andriamanitra, fantanè fa Izy de efa nifidy andreo, 5satria ny filazantsaranè de tonga tamindreo tsy tamin'ny teny my, fa tamin'ny hery my koà, tamin'ny Fagnahy Masina, ary ny fahatokisam-be. Mitovy amin'izany, andreo my koà de mahafantatra hoe olona kara ino zehè takeo amindreo noho ny amindreo.6Nanjary nitovy taminè sy ny Tompo andreo, tamin'ny nandresandreo ny teny tamin'ny ady sarotra lehibe sy tamin'ny fifaliana avy amin'ny Fagnahy Masina. 7Vokatr'izany, nanjary ohatra ho an'izegny mino akô Makedonia sy Akaia andreo.8Fa avy tamindreo no nagnenoan'ny tenin'ny Tompo, ary tsy takô Makedonia sy Akaia my izany. Fa koza, ny takegny amin'ny tany jiaby no nipariahan'ny finoandreo an'Andriamanitra. Vokatr'izany, de tsy mila mizaka na ino na ino antsena. 9Fa zareo my no hizaka izegny fandresana azonè takeo amindreo. Zareo de mizaka ny fomba nitodihandreo tamin'Andriamanitra ka niala tamin'ny sampy mba hanompo an'Andriamanitra velona sy marina. 10Zareo de nitatitra fa andreo de mandigny ny Zanagny avy agny an-dagnitra, izegny natsanganananjy tamin'ny maty. Jesosy izany, izegny magnafaka antsena amin'ny fahavignirana ho avy.

Chapter 2

1Ny tegnanarô de mahafantatra, ry rahalahy, fa ny fahatongavane taketo aminarô de tsy zava-pôgna. 2Fantanarô fa takeo aloha de nijaly ary nalam-baraka takagny Filipy zehè. Zehè de masahy takô amin'Andriamanitranè hizaka aminarô ny filazantsaranAndriamanitra takô agnatin'ny fanoherana lehibe.3Satria ny fagnanaranè de tsy avy tamin'ny fahadisoana, na avy tamin'ny fahalotoana, na avy tamin'ny fitaka. 4Fa koza, araka ny nagnekian'Andriamanitra anè mba hatokisana amin'ny filazantsara, noho izany de mizaka zehè. Mizaka zehè, tsy hamalifaly ny olona, fa hamalifaly an'Andriamanitra. Izy lay mahafantatra ny fonè.5Satria tsy mba nampiasa na oviana na oviana ny zaka mideradera zehè, araka ny fanatanarô, na koa ho felan-tsigny amin'ny fagniriana, satria Andriamanitra no vavolombelognanè. 6Na koa niaragna ny voninahitra avy amin'ny olona zehè, na koa avy amindreo na avy amin'ny hafa. Zehè de afaka nitaky tombotsoa kara ny atôn'ny Apostolin'i Kristy.7Fa koza, zehè de tsotra takeo aminarô kara ny reny mankahery ny zanangny nateragny. [Fagnamarihana: Ny dikan-teny hafa ansanagny de mivaky karan'izô: "Fa koza, zehè de kara zaza bitika takeo aminarô, ndreka mankahery ny zanangny nateragny ny reny."] 8De kara izany no nanagnanè fitiavana ho andreo. Faly zehè mizara aminarô, tsy ny filazantsaran'Andriamanitra my, fa ny fiegnanè manokana my koà. 9Satria anarô de nanjary malalanè tegnany. Satria tsaroanarô, ry rahalahy, ny asanè sy ny fisasaranè. Andro aman'alina no nesanè mba tsy hahafahanè mampitondra mavesatra ny reka aminarô. Nandritra izany fotoana izany, de nitory ny filazantsaran'Andriamanitra taminarô zehè.10Anarô no vavolombelona, ary Andriamanitra my koà, fa masina, sy marina, ary tsy manan-tsigny ny fitondran-tegnanè takeo aminarô izegny mino. 11Kara izany my koà de fantanarô hoe kara ino no aton'ny baba amin'ny zanagny nateragny, 12nengavy sy nankahery ary nandrisika anarô zehè mba handeha amin'ny fomba izegny magneva an'Andriamanitra, izegny magnantso anarô ho akô amin'ny fanjakany sy ny voninahiny manokana.13Fa izany antony izany no isoranè my koà an'Andriamanitra lalandava. Fa anarô ndreka nandre ny hafatr'Andriamanitra avy taminè izegny regninarô, de noraisinarô tsy ho kara ny zakan'olona izany. Fa koza, norainsinarô araka izegny marina izany, de tenin'Andriamanitra. Izany teny izany my koà no miasa akeo aminarô izegny mino.14Satria anarô, ry rahalahy, de nanjary kara ny fegnonan'Andriamanitra akagny Jodia izegny amin'i Jesosy Kristy. Fa andreo my koà de nijaly tamin'ireo raha ireo noho ny raha nanìn'ny mpire-tanindrazana aminarô, kara ny nahazo anjarô koà noho'ny raha atôn'ny Jiosy taminanjy. 15Zarô Jiosy no namono na an'i Jesosy Kristy na zarô mpaminangny. Zarô Jiosy no nadroaka anè. Tsy nankasitraka an'Andriamanitra zarô. Fa koza, zarô de fahavalon'ny olona jiaby. 16Zarô de nadrara anè tsy hizaka amin'ny Jentilisa mba tsy hagnavotana ananjy iregny. Vokatr'izany de mameno ny fahotan'ny tegnany lalandava zarô. Ny fahavignirana de tsy mentsy tonga aminjarô amin'ny farany.17Tafasaraka taminarô zehè, ry rahalahy, nandritra ny fotoana foika, tamin'ny fagnatrehana fa tsy tamin'ny fo. Tegna nazoto tokoatra zehè, nagniry mafy, ny hahita ny tarehinarô. 18Satria nagniry ny ho akagny aminarô zehè, izaho, Paoly, matetitetika, nefa nanakana anè io Satana. 19Fa ino ma ny fagnantegnanè momba ny ho avy, na fifaliana, na satro-boninahitry ny fandresena akeo agnatrehan'i Jesosy Tompontsena amin'ny fihaviany? Ma tsy anarô kara ny sasagny my koà? 20Fa anarô no voninahitranè sy fifalianè.

Chapter 3

1Noho izany, ndreka tsy afaka nivandry an'izany koza zehè, de mbaranè fa tsara ny mitoetra reka takô Atena. 2Nandefa an'i Timoty zehè, rahalahinè sy mpiara-miasa amin'Andriamanitra akô amin'ny filazantsaran'i Kristy, mba hagnamafy sy hankahery ny momba ny finoandreo. [Fagnamarihana: Ny dikan-teny sasagny hafa taloha de magnano hoe: "Nandefa an'i Timoty zehè, rahalahinè ary mpanompon'Andriamanitra akô amin'ny filazantsaran'i Kristy."] 3Natonè izany, mba tsy hisy olona ho tetra noho ireo fahoriana ireo. Fa ny tegnandreo de mahafantatra fa izany no nanendrena antsena.4Marina tokoatra, ndreka niaraka tamindreo zehè, de nizaka meloha tamindreo fa antsena de tsy mentsy hampijalina, ary nisy izany, araka ny fantandreo. 5Noho izany antony izany, ndreka tsy nahavandry izany koza zaho, de nagniraka mba hahafantarako ny finoandreo. Avasa ny mpaka-fagnahy de efa nalaka fagnahy andreo, ary ho zava-pogna ny asantsena.6Fa tonga taty aminè avy takagny amindreo i Timoty ary nitondra vôvô mahafalin'ny finoana sy ny fitiavandreo ho anè. Nizaka taminè izy fa andreo de managna fahatsiarovana tsara momba anè fogna, ary andreo de magniry mafy ny hahita anè kara ny fagnirianè hahita andreo. 7Noho izany, ry rahalahy, zehè de nampaherezindreo nohon'ny finoandreo, takô agnatin'ny fitentegnana sy fahoriana jiaby.8Fa velona zehè amin'izô, raha mivahatra mafy amin'ny Tompo andreo. 9Fa fisôrana kara ino no azonè amiana an'Andriamanitra noho ny amindreo, tamin'ny fifaliana jiaby izegny anagnanè takeo agnatrehan'Andriamanitra noho andreo? 10Mivavaka mafy andro aman'alina zehè mba hahafahanè maita ny tarehindreo sy hamatsiana izegny tsy ampy amin'ny finoandreo.11Fa ny tegnan'Andriamanitra Abantsena, ary Jesosy Kristy Tompontsena anie, hampahitsy ny lalanè ho amindreo. 12Ny Tompo anie hampitombo sy hampandroso ny fifankatiavandreo amin'ny hafa sy ny olo-jiaby, kara ny atonè amindreo koà. 13Izy anie hagnamafy ny fondreo, ka mba tsy hanagnanjareo tsigny amin'ny fahamasinana akeo agnatrehn'Andriamanitra Abantsena, amin'ny fitiavan'i Jesosy Tompontsena ambàn'ireo masina jiaby.

Chapter 4

1Ary farany, ry rahalahy, mampahery sy magnanatra anarô akô amin'i Tompo Jesosy zehè. Raha nahazo ny fampianarana avy aminè anarô momba ny fomba tsy mentsy handehananarô sy hamalifalianarô an'Andriamanitra, ny amin'io lalana andehanana io my koà, de mba hagnanovanarô mihoatra an'izany. 2Fa anarô de mahafantatra ny fampenarana izegny namianè anarô tamin'ny alalan'i Jesosy Tompo.3Fa izô no sitrapon'Andriamanitra, de ny hagnamasinana anarô, mba hialanarô amin'ny fijangajangana, 4izegny hahafantaran'ny tsirekiraka aby aminarô ny fomba hahazaoana ny fanakin'ny tegnany akô amin'ny fahamasinana sy ny voninahitra, 5tsy amin'ny filan-dratsy (kara anjarô jentilisa izegny tsy mahafantatra an'Andriamanitra). 6Oka tsy hisy olona handika na hagnaratsy ny rahalahiny amin'izany. Fa ny Tompo no mamaly an'iregny raha jiaby iregny, kara ny nampitandremanè meloha sy nijoroanè vavolombelona taminarô.7Fa Andriamanitra tsy nagnantso anè ho amin'ny fahalotoana fa amin'ny fahamasinana. 8Noho izany, izy izegny mandà izany de tsy mandà olona, fa Andriamanitra, izegny magnomia ny Fagnahy Masina ho anarô.9Momba ny fifiankatiavan'ny mpirahalahy, tsy mila olona hafa anarô hanoratra ho anarô, fa tegnanarô de nampianarin'Andriamanitra mba hifankatia. 10Atonarô tokoatra izany ho an'ny rahalahy jiaby izegny magnerana an'i Makedonia. Fa zehè de magnanatra anarô, ry rahalahy, mba hagnano mihoatra an'izany. 11Magnanatra anarô my koà zehè ny mba hiezahana hiegna am-pilaminana, hisegna ny rahalahinarô manokana, ary hiasa amin'ny tanananarô, araka ny nandidianè anarô, 12mba hanangnarô fitondran-tegna tsara akeo agnatrehan'izegny tsy mino ary tsy hanan-draha-mahory13Fa tsy tianè tsy ho fantanaro, ry rahalahy, ny momba ireo izegny efa maty, mba tsy haninkanignanarô kara ny ambiny izegny tsy managnna antoka ny amin'ny ho avy. 14Fa raha mino antsena fa Jesosy de maty ary nitsangana ndreka, de kara izany koo no hitondran'Andriamanitra miaraka amin'i Jesosy an'izegny efa maty takô aminazy. 15Fa izô no zakenè aminarô tamin'ny tenin'ny Tompo, fa antsena izegny velona, izengy sisa tavela amin'ny fahatongavan'ny Tompo, de tsy mba heloha-lalana an'izegny efa maty.16Fa ny tegnan'ny Tompo no handrorogna avy agny an-dagnitra. Ho avy miaraka amin'ny feo mafy Izy, miaraka amin'ny feon'ny Arkanjely, ary miaraka amin'ny trompetran'Andriamanitra, ary ny maty akô amin'i Kristy no hitsangana vôlohagny. 17Avy akeo antsena izegny velona, izegny sisa tavela, hiaraka hiakatra aminjarô akegny amin'ny rahogn'ny lagnitra ka hiaro amin'ny Tompo akegny amin'ny hababaka. Amin'izany de hiaraka amin'ny Tompo mandrakariva antsena. 18Noho izany, mifankahereza amin'ireo teny ireo.

Chapter 5

1Amin'izô fotoana, mahakasika ireo fotoana sy ireo vanim-potoana, ry rahalahy, tsy mila na ino na ino vôsoratra ho anareo andreo. 2Fa andreo, ny tegnandreo, de mahafantatra tsara fa ny andron'ny Tompo de ho avy kara ny mpangalatra amin'ny alina. 3Ndreka mizaka zareo hoe, "Miadana sy milamina," de fahapotehana tampoka no ho avy aminjareo. Ho kara ny fahararian'ny viavy bevohoka ndreka mametra. Tsy ho afa-milefa tokoatra zareo.4Fa andreo, ry rahalahy, de tsy agnatin'ny izigna ka hahazo andreo tampoka kara ny mpangalatra ny andro mazava. 5Fa andreo de zanaky ny mazava sy zanaky andro mazava. Tsy zanaky ny alina na ny izigna antsena. 6Noho izany, andô antsena tsy hoandry kara ny fanìn'ny ansanagny. Fa koza, ôka antsena hiambina sy hahognon-tegna. 7Fa izegny mandry de magnano izany amin'ny alina, ary izegny mamo de magnano izany my koà amin'ny alina.8Fa raha mbola an'ny andro mazava antsena, de tsy mentsy mahognon-tegna antsena ary mirakotra finoana sy fitiavana mba ho fiarovan-tratra, ary antoky ny famonjena amin'ny ho avy mba ho fiarovan-dohantsena. 9Fa Andriamanitra tsy nanendry antsena ho amin'ny fahavignirana, fa ny mba hahazaoana ny famonjena amin'ny alalan'ny Jesosy Kristy Tompontsena. 10Izy lay maty ho antsena, na mifoha antsena na mandry, de afaka miara-miegna aminanjy. 11Ka noho izany mifampionogna sy mifampahereza andreo, kara ny efa natôndreo.12Mengavy andreo zehè, ry rahalahy, ny mba hagnekendreo izegny mikely egna amindreo sy mitondra andreo ho amin'ny Tompo ary izegny magnanatra andreo. 13Mangataka andreo my koà zehè ny mba hagnaja anjareo am-pitiavana noho ny asanajareo. Mihavana amin'ny tegnandreo. 14Magnanatra andreo zehè, ry rahalahy: sorohy ny fikorontanana, hampaherezo ireo izegny kivy, tahio ireo izegny malemy, mahavandria amin'ny raha jiaby.15Indro, ôka tsy hisy olona hamaly ratsy ny rasty na amin-jovy na zovy. Fa koza, miaragna izegny tsara ho an'ny tsirekireka sy ho an'ny daholo be. 16Mifalia lalandava. 17Aza megnina mivavaka. 18Misôra amin'ny raha jiaby. Fa izany no sitrapon'Andriamanitra ho andreo akô amin'ny Kristy Jesosy .19Aza mamono ny Fagnahy. 20Aza magnano tsisy dikany ny faminagniana. 21Andramo ny raha jiaby. Mifikira amin'izegny tsara. 22Mialà amin'ny endrika faharatsiana jiaby.23Andriamanitry ny fedanana anie hagnamasina tanteraka andreo. Oka ny fagnahindreo manontolo, ny egna, ary ny vatagna mba ho asarisina tsy amin-tsigny ho amin'ny fahatongavan'ny Jesosy Kristy Tompontsena. 24Ny fahatokisana no lay nagnantso anô, lay reka izegny hagnano izany my koà.25Ry rahalahy, mivavaha my koà ho anè. 26Arabeo amin'ny oroka masina ny rahalahy jiaby. 27Mangataka amindreo amin'ny alalan'ny Tompo zaho ny mba hamakiana ity taratasy ity amin'ny rahalahy jiaby. 28Ho amindreo anie ny fahasoavan'i Jesosy Kristy Tompontsena.

2 Thessalonians

Chapter 1

1Paoly, sy Silasy, ary Timoty, ho amin'ny fengonana Tesaloniana akô amin'Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo. 2Ho amindreo anie ny fahasovana sy ny fedanana avy amin'Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo.3Tokony hagnomia fisôrana an'Andriamanitra lalandava ho andreo zehè, ry rahalahy. Fa izany no tsara atô, satria tegna mitombo tokoatra ny finoandreo, ary ny fitiavandreo tsirekireka de mitombo ho an'ny hafa. 4Noho izany, zehè tegnanè, de mizaka am-pireharehana ny momba andreo akeo amin'ny fengonanAndriamanitra. Zehè de mikorana ny momba ny fahavandriandreo ary ny finoana tamin'ny raha jiaby izegny nagnanjehana andreo. Mikorana ny momba ireo fahoriana izegny nivandriandreo. 5Izany de famantarana ny fitsarana marin'Andriamanitra. Ny valiny de ny handresana andreo ho mendrika ny fanjakan'Andriamanitra izegny nijaliandreo.6Rariny ho an'Andriamanitra ny hamaly fahoriana anjareo izegny nampijaly andreo, 7ary hagnogmia fitsaharana ho andreo izegny nampahoriana niaraka taminè. Ho atônè izany amin'ny fisehoan'i Jesosy Tompo avy agny an-dagnitra miaraka amin'ny anjelin'ny heriny. 8Akô amin'ny afo milelalela no hagnanovany ny valifaty amin'izegny tsy mahafanatra anAndriamanitra sy amin'izegny tsy mamaly ny filazantsran'i Jesosy Tompontsena.9Zareo de hiegna ny sazin'ny fandringanana mandrakizegny izegny lavitra ny fagnatrehan'ny Tompo sy ny voninahitry ny heriny. 10Hagnano an'izany izy ndreka tonga amin'ny andro izegny hagnomezan'ny olony voninahitra Ananjy sy higagan'izegny nino Ananjy jiaby. Fa ny fijoroany vavolombelona tamindreo de ninoana.11Noho izany de mivavaka lalandava ho andreo my koà zehè. Mivavaka zehè mba ho mendrika ny ho resin'ny Andriamanintsena amin'ny fagnantsovana andreo. Mivavaka zehè ny mba hagnantaterahany amin-kery ny fagniriandreo ny fahatsarana sy ny asan'ny finoana jiaby. 12Mivavaka an'ireo raha ireo zehè mba hagnomezandreo voninahitra ny agnaran'i Jesosy Tompontsena. Mivavaka zehè mba hagnomezanè voninahitra andreo, nohon'ny fahasoavan'Andriamanitra sy Jesosy Kristy Tompo.

Chapter 2

1Ny momba nhy fahatongavan'i Jesosy Kristy Tompontsena sy ny namoriana antsena hiaraka Aminanjy: mangataka andreo zaho, ry rahalahy, 2mba tsy ho mora hozongozognina na ampitahorina andreo, na amin'ny fagnahy, na amin'ny hafatra, na an-taratasy izegny sahala amin'ny hoe avy aminè, noho ny vokatry ny fahatongavan'izany andron'ny Tompo izany.3Aza avela hisy olona hamitaka andreo na amin'ny fomba ino na fomba ino. Fa tsy ho hisy izany raha tsy afaran'ny fahatongavan'ny fahalavoana, ary ny lilahy mpandika lalàna de ho atoro, ny zanaky ny faharavana. [Fagnamarihana: ny dikan-teny taloha sasagny de magnano hoe: "ary ny lilahy mpanota de hatoro"]. 4Izy lay manohitra sy magnandratra ny tegnany amin'izegny raha jiaby antsovana hoe Andriamanitra na izegny ivavahana. Vokatr'izany, de nipetraka takô amin'ny Tempolin'Andriamanitra izy ary magnatoro ny tegnany ho kara an'Andriamanitra.5Tsy tsaroandreo ma fa letry zaho niaraka tamindreo de efa nizaka ireo raha ireo? 6Amin'izô fotoana de fantandreo hoe ino no manakana ananjy, mba hivoahany amin'ny fotoana maha-mety. 7Fa ny zava-miafin'ny fandikan-dalàna de efa misy, fa olona reka my no mitana ananjy amin'izô mandra-pangalana ananjy akeo amin'ny lalàna.8Avy akeo lay tegna mpandika lalàna de hatoro, izegny hovonin'i Jesosy Tompo amin'ny fofonegna avy amin'ny vavany. Ny Tompo de hitondra ananjy ho amin'ny tsy misy dikany amin'ny alalan'ny fisehoan'ny fahatongavany. 9Ny fahatongavan'lay tegna mpandika lalàna de noho'ny asan'ny Satana miaraka amin'ny hery jiaby, reo famantarana, ary reo fahagagana tsy marina, 10ary miaraka amin'ny fitaka jiaby ny amin'ny tsy fahamarinana. Ireo raha ireo de ho an'izegny very, satria zareo de tsy nandre ny fitiavan'ny fahamarinana mba hahavôvonjy anjareo.11Noho izany antony de mandefa ny asan'ny fahadisaoana Andriamanitra mba hinoanjareo afisiana. 12Vokatr'izany de hotsarena aby daholo zareo jiaby, ireo izegny tsy mino ny fahamarinana fa kosa malaka fahafaha-po amin'ny tsy fahamarinana.13Fa zehè de tokony magnomia fisôrana an'Andriamanitra hoa andreo lalandava, ry rahalahy notiavin'ny Tompo. Fa Andriamanitra no nifidy andreo kara ireo vôlognam-bokatra ho an'ny famonjena amin'ny fagnamasinana ny Fagnahy sy ny finoana ny fahamarinana. [Fagnamarinana: ny dikan-teny hafa de magnano hoe: "Fa Andriamanitra de nifidy andreo ho amin'ny fagnavotana letry tambôlohagny]. 14Izany no nagnantsovany andreo tamin'ny alalan'i Filazantsaranè mba hahazaoandreo ny voninahitr'i Jesosy Kristy Tompontsena. 15Ka noho izany, ry rahalahy, de mijoroa mafy. Tano ireo fahamarinana izegny nampianarina andreo. Na tamin'ny teny na tamin'ny sotratra natonè.16Amin'izô de ôka i Jesosy Kristy Tompontsena, ary Andriamanitra Abantsena izegny tia antsena sy nagnomia antsena fankaherezana mandrakizegny sy ny fahatokisana tsara ho an'ny ho avy amin'ny alalan'ny fahasoavana, 17no hankahery ary hametraka ny fondreo amin'ny asa tsara jiaby sy ny teny.

Chapter 3

1Amin'izô, ry rahalahy, mivavaha ho anè, mba ho ankalazena sy amiam-boninahitra ny tenin'nyTompo, de ho kara an'izany my koà ny aminarô. 2Mivavaha mba ho afaka amin'ireo asa ratsy fagnahy sy ny olon-dratsy zehè, fa tsy ny jiaby no manam-pinoana. 3Fa ny Tompo de mahatoky, izegny magnamafy orina sy miambina anarô amin'lay ratsy.4Managna fahatokisana amin'ny Tompo momba andreo zehè, mba sady hagnanovanarô no sady hanohizanarô ireo raha izegny nandidianè anarô. 5Ny Tompo anie hitarika ny fonarô ho amin'ny fitiavan'Andriamanitra sy ny fivandrian'i Kristy.6Amin'izô fotoana izô de mandidy anarô zehè, ry rahalahy, amin'ny agnaran'i Jesosy Kristy Tompontsena, mba hiala amin'ireo rahalahy jiaby izegny miegna akô agnatin'ny hakamoana sy tsy araka ny fomban-drazagna izegny niresinarô taminè. 7Fa ny tegnanarô de mahafantatra fa mety aminarô ny mala-tahaka anè. Tsy niegna takio agnivonarô kara izegny tsy nanagna fitsipika zehè. 8Tsy nihinana rahanin'olona tsy ifena vola zehè. Fa koza, niasa andro sy alina tamin'ny asa sarotra sy ny raha sarotra zehè, mba tsy ho enta-mavesatra ho an'ny tsirekireka aminarô. 9Tsy hoe nohon'ny tsy fanagnana fahefana no agnanovanè an'izany. Fa koza, nagnano an'izany zehè mba ho fitaratra ho anarô, ka mba hanahafanarô anè.10Taminè niaraka taminarô, de nandidy anarô zehè hoe: "Raha misy reka tsy te hiasa, de tsy tokony hihinana izy." 11Fa regninè fa mibelabela-tagnana ny ansanagny aminarô. Tsy miasa zarô fa mpitsabaka. 12Amin'izô ny olona kara izany de didianè sy hanarinè amin'ny agnaran'i Jesosy Kristy Tompo, mba hiasa am-pahanginana sy hihinana any rahaninanjarô manokana.13Fa anarô, ry rahalahy, aza mamoy fo amin'ny fagnanovana ny marina. 14Raha misy tsy magnaraka ny zakantsena amin'ity taratasy ity, de atovy marika akeo amason'ny olona jiaby izy ary aza managna fifandresana aminazy, ka de ho megnatra izy. 15Aza resina ho fahavalo izy, fa hanaro ho kara ny tamboka reka.16Fa lay Tompon'ny fedanana anie hagnomia fedanana anarô amin'ny fotoana sy ny fomba jiaby. Ho aminarô jiaby anie nyTompo. 17Ity no fagnanovam-belomako, izaho Paoly, tamin'ny tagnako manokana, izegny famantarana amin'ny epistily jiaby. Izany sy izany ny soratro. 18Ny fahasovan'i Jesosy Kristy Tompontsena anie ho aminarô jiaby.

James

Chapter 1

1Jakoba, mpanompon'Andriamanitra sy Tompo Jesosy Kristy, ho andreo foko roy ambinin'ny folo nipariaka: Arabena. 2Tano ho fifaliana aby izany, ry tamboka reka, rehefa nidognam-pahoriana maro karazagna andreo. 3Fantandreo fa ny fitsapana ny finoandreo no mahatonga fahavandriana.4Ambilè ny faharetana hagnano ny asany, mba tegna hivoatra ka ho tegna feno andreo, ka tsy ho ory na ino na ino. 5Fa raha misy amindreo miaragna fahendrena, ôka izy hangao izany amin'Andriamanitra, izegny magnano an-tsitrapo ary tsy manebaka izegny mangao jiaby, ary amiany ananjy izany.6Fa avilè izy hangao amin'ny finoana tsy misalasala na amin'ino na ino. Fa zegny misalasala de kara onjan-dranomasina idôn'agnina sy mitopatopaka. 7Fa izany olona izany de tsy tokony hisentsegna hahazo raha avy amin'ny Tompo. 8Ny olona karan'izany de roiroy segna, miovaova amin'ny lalany jiaby.9Oka ny rahalahy boty hagnano ny fisandratany ho reherehany, 10fa ny olona de manan-karena amin'ny fagnetren-tegnany, satria izy de halazo kara ny folera agn'ala akegny amin'ny ahitra. 11Fa ny masoandro de mibiriagna avy amin'ny hafanana mahame ary magnamegna ny ahitra. Ny folera de miintsagna, ary hasaràny de hanjavona. kara izany koà, ny olona manan-karena de halazo akgny amin'ny antsasaky ny diany.12Sambatra ny olona izegny mavandry fitsapana. Satria ndreka avy nandalo fitsapana izy, de halaka ny satro-boninahitry ny fiegnana, izegny nampanantignena taminjareo izegny tia an'Andriamanitra. 13Ndreka misy halem-pagnahy de ôka izy tsy hizaka hoe: "Andriamanitra no nalaka fagnahy anay," satria Andriamanitra de tsy azon'ny ratsy alena fagnahy, sady tsy mba malaka fagnahy na zovy na zovy.14Fa samby alem-pagnahy amin'ny fagniriany manokana ny olona tsirekireka, izegny mampihemotra na mamparesy ananjy. 15Ndreka avy niforonina ny fagniriana, de miteraka fahotana izany. Ary ndreka mitombo tsara ny ota, de miteraka fahafatesana. 16Aza magneky ho fitahina, ry rahalahy tiako.17Ny fagnomezana tsara jiaby sy ny fagnomezana tanteraka jiaby de avy agny ambony. Izany de mandrorogna avy amin'ny Iaban'ny fahazavana. Miaraka aminanjy de tsy misy fiovana na tandindogna nohon'ny fiodignana. 18Andriamanitra de nisafidy ny hagnomia fahaterahana antsena amin'ny zakan'ny fahamarinana, mba ho karazagna volognam-bokatra amin ny raha jiaby izegny noforoniny antsena.19Fantandreo izany, ry rahalahy tiako: ôka ny olona jiaby ho kinga amin'ny fitonòana, tsy hizaka malady, ary tsy halady vignitra. 20Fa ny fahavigniran'ny olona de tsy ahefana ny fahamarinan'Andriamanitra. 21Ka alao ny fahalotoana jiaby sy ny faharatsiana jiaby. Am-pahatsorana, tano ny zaka efa natô, izegny afaka mamonjy ny fagnahindreo.22Oka ho mpagnaja ny teny andreo fa tsy mpiteno fogna, ka mamitaka ny tegnandreo. 23Fa raha misy mpiteno teny nefa tsy magnaja, de kara olona mizaa ny tarehiny voajagnahary agnaty taratra izy. 24Mandinika ny tegnany izy ka mandiaa avy akeo ka magnadigno avy hatragny ny momba ananjy. 25Fa ny olona mandinika tsara ny lalan'ny fahafahana tanteraka, sy manohy ny fagnanovana izany, fa tsy hoe mpiteno fogna izegny magnadigno, de hahomby amn'ny raha atôny izany olona izany.26Raha misy mihevi-tegna ho mpivavaka, nefa tsy mitandrim-bava, de mamitaka ny fony izy, ary tsisy varany ny hivavahany. 27Ny fivavahana madio sy tsy misy pentina agnatrehan'Andriamanintsena sy ny Iabantsena de izô: Hagnampy ireo kamboty sy ireo mpitondrategna amin'ny fahorianjareo, ary miaro tegna mba tsy hisy tsigny avy amin'izô tontolo izô.

Chapter 2

1Ry rahalahiko, aza mitana ny finoana an'i Jesosy Kristy Tompontsena, ilay tompon'ny voninahitra, amin'ny fagnavakavahana agnatrehan'ny olona sasagny. 2Eritrereto hoe misy olona miditra aminny fivorianadreo magnatô peratra volamena sy lamba tsara, ary misy lilahy boty my koa miditra magnatô lamba maloto. 3Ndreka mizaa ilay olona magnatô lamba tsara anô ary mizaka hoe: "Azafady mipetraha aketo amin'ny toerana tsara," fa hizaka amin'ny lilahy boty koza hoe: "mitsangàna anô akòry" na hoe "mipetraha aketo angokotranay, 4mà tsy mifampitsara amin'ny samby andreo va andreo? Mà tsy manjary mpitsara amin'ny eritreri-dratsy andreo?5Mitonòa ry rahalahy tiako, tsy efa nofidin'Andriamanitra mà ny boty amin'izô tontolo izô mba hanan-draha amin'ny finoana sy mba ho mpandova ny fanjakana izegny nampanantigneny anjareo izegny tia Ananjy? 6Fa andreo de nangala baraka ny boty! Mà tsy ny mpanan-draha my no nampijaly andreo? Mà tsy zareo my no nitarika andreo ho amin'ny fitsarana? 7Mà tsy zareo my no nagnaratsy ny agnarana tsara izegny ho andreo?8Na izany aza, ndreka magnatanteranka ny lalàn'ny mpanjaka andreo, araka ny Soratra Masina hoe: "Tiava ny namanô kara ny tegnanô," de magnano ny tsara andreo. 9Fa ndreka magnomia fahafaham-po ho an'ny olona sasagny koza andreo, de meloka, ka voasazy kara ny mpandika lalàna.10Fa na zovy na zovy magnaja ny lalàna jiaby, kanefa diso amin'ny lalàna reka fôgna, de diso amin'ny lalàna jiaby. 11Fa ilay nizaka hoe: "Aza mijanganjanga," de nizaka my koà hoe: Aza mamono olona." Raha tsy mijangajanga andreo nefa mamono olona, de manjary mpandika lalàna.12Noho izany, mizakà sy magnanova karan'izany izegny ho tsarena amin'ny lalan'ny fahafahana. 13Fa ny fitsarana de tonga tsisy fandiferana aminjareo izegny tsy nampiseho fandiferana. Ary ny fandiferana de mandresy ny fitsarana.14Ino no tsara, ry rahalahiko, raha mizaka ny olona reka fa manam-pinoana izy, kandrefa tsy arahin'asa? Afaka hagnavotra ananjy va izany finoana izany? 15Eritrereto hoe misy rahalahy sy anakavy ratsy raha sikinina sy tsy ampy raanina isan'andro. 16Eritrereto hoe misy reka amindreo mizaka aminjareo hoe: "Mandehana amim-piadanana, magnanova mafana ary magnanova voky." Ndreka tsy magnomia ny raha ileny ho an'ny vatagny andreo, ino no mahatsara an'izany? 17De karan'izany koa ny finoana, ndreka tsy arahin'asa izany, de maty.18Ndrefa mety hisy olona hizaka hoe: "Manam-pinoana anô, ary zaho managn'asa." Avoay aminay ny finoano tsy arahin'asa, de havoakako aminô koza ny finoaka amin'ny alalan'ny asako. 19Anô de mino fa reka my ny Andriamanitra; tsara izany atônô izany. Fa na zareo demony aza de mino an'izany. Ka de mangorohoro zareo. 20Tiandreo ho fantatra va, ry lilahy foka, fa ny finoana tsy arahin'asa de tsisy ilàna ananjy? [Fagnamarinana: Ny dikan-teny taloha sasagny de mizaka hoe: "Tiandreo ho fanatra va, ry lilahy foka, hoe nawana ny finoana tsy arahin'asa no maty?"]21Tsy tamin'ny asa koà mà no nagnamarinana an'i Abrahama iabantsena ndreka nagnomia an'i Isaka zanagny lahy takeo amin'ny alitara izy? 22Hitanô fa ny finoana de niasa niaraka tamin'ny asany, ary akô amin'ny asa de nitombo tamin'izany ny finoany. 23De tanteraka ny Soratra MAsina izegny mizaka hoe: "Abrahama nino an'Andriamanitra ka nisena ho fahamarinany izany," ary izy nantsovana hoe sakatovon'Andriamanitra. 24Hitandreo zô fa amin'ny asa no hamarinana ny olona fa tsy amin'ny finoana fôgna.25Karan'izany koà, Rahaba mpijangajanga, tsy nohamarinina tamin'ny asa koa mà izy, ndreka nampandroso anjareo iraka sy nagnondefa anjareo tamin ny lalan-kafa? 26Fa maty ny vatagna ndreka misaraka amin'ny fagnahy, de karan'izany my koà, ny finoana tsy arahin'asa de maty.

Chapter 3

1Tsy olona maro no tokony hanjary mpampianatra, ry rahalahiko. Fantantsena fa hahazo fitsarana mazamazagna kokoà antsena. 2Fa antsena jiaby de tafitohina amin'ny fomba maro. Raha misy tsy tafintohina amin'iregny zaka iregny, de lilahy kanty tegnany izy, afaka mifehy na de ny tegnany reka manontolo aza.3Ary raha fatorantsena tady akeo am-bavan'ny sovaly mba hagnekianjareo antsena, da afaka mitondra ny vatagnanjareo reka manontolo my koa antsena. 4Zaano my koà fa ny sambo, na de maventy tokoatra aza izy regny ary indesin'ny rivotra mahery, de mbola vôvilin'ny familiana farany bitika amin'izegny sitrapon'ny mpitondra ananjy.5Kara izany koà ny lela, rantsana bitika amin'ny vatagna, kanefa izy de mihambo raha maro. Zaano my koà ny habitian'ny afo izegny magnoro atiala matahitra. 6Ny lela my koà de afo, tontolon'ny fahotana napetraka amin'ny ratsam-batantsena. Izany de magnavangavanga ny vatagna jiaby manontolo ary magnoro ny lalam-piegnana. Oroàn'ny helo ny vatagny.7Fa ny karazagna biby agn'ala jiaby, vorogna, biby mandady, ary ny raha an-dranomasina dia vôbeko ary nibekoin'olombelona. 8Fa ny momba ny lela, tsy misy olona mavita mibeko an'izany. Io de ratsy, tsy mety fehezina, feno poizina mahafaty.9Amin'io no hiderantsena ny Tompo sy ny Ray, ary amin'io no hagnozognantsena olona, izegny natô nitovy tamin'Andriamanitra. 10Avy amin'izany vava izany my no hivoahan'ny fitahiana sy ny fagnozognana. Ry rahalahiko, tsy tokony hisy io raha jiaby io.11Mà ny loharano mamoaka rano mamy sy mafetra avy amin'ny fivoahany a? 12Mà ny kakazo aviavy, ry rahalahiko, mamoa oliva a? Na ny voaloboka, mamoa aviavy a? Ny rano masina koa de tsy afaka hagnomia rano mamy.13Zovy no kanty sy mahè raha amindreo? Ambilè izany olona izany hagnatoro fiegnana tsara amin'ny asany amin'ny fagnetren-tegnan'ny fahakantiana. 14Fa raha managna fialognana mafetra andreo ary managna fagniriana laza akô am-ponareo, de aza mihambo na mamesy manohitra ny marina.15Izany de tsy fahakantiana izegny nandrorogna avy agny ambony. Fa koza, avy agny amin'ny tany, ny tsy ara-pagnahy, ny demoniaka izany. 16Fa akagny amin'izany fialognana izany fagniriana laza izany, de misy fifanjevoana sy fagnanovqna ny raha ratsy jiaby. 17Fa ny fahakantiana avy agny ambony de madio alonga, avekeo feno fiadanana, tsara fagnahy, managna hevitra hafa, feno fandiferana sy vokatra tsara, matanjaka, ary tsotra. 18Ny vokatry ny fahamarinana dia vôfafy am-piadanana akeo agnivondreo izegny mitondra fihavanana.

Chapter 4

1Avy akeza niavian'ireo ady sy ireo fifamaliana aminarô? Moa va ireo tsy avy amin'ny faniriandriô zay miady amin'ny mpikambana eo agnivondriô? 2Magniry andriô, nefa tsy managna. Mamono sy magniry anariô, nefa tsy afaka ny ahazo Miady sy mifagnolagno anariô. Tsy managna andriô satria tsy mangatakaa. 3Mangataka andriô nefa tsy mahazo satria ratsy fangataka, mba hahafandriô mampiasa izany ho amin'ny fagniriandrô.4Andreo ry mpijangajanga! Ma tsy fantandreo ma fa ny fifinamanana amin'izô tontolo izô de fandrafiana manohitra an'Andriamanitra? Ka na zovy na zovy te-ho naman'izô tontolo izô dia magnano ny tegnany ho fahavalon'Andriamanitra izy. 5Sa andreo ma mieritreritra fa ny Soratra Masina de mizaka raha tsisy dikany nizaka hoe: "Ny Fagnahy izegny natôny niegna takô amintsena de saro-piaro loatra"?6Fa Andriamanitra magnomia fahasoavana bebe kokoa, noho izany de hoy ny Soratra Masina hoe: "Andriamanitra manohitra ny mpipoerapoera, fa magnomia fahasoavana ny mpagnetry tegna" 7Ka magnekia an'Andriamanitra. Toifo ny devoly, de hilefa andreo izy.8Magnatogna an'Andriamanitra, de agnatogna andriô Izy. Diovy ny tegnandriô ry mpandini-dratsy. 9Malahelova,misaonà, ary mitomania! Aoka ny fimozanareo ho lasa tagny , ary ny fifaliandriô ho lasa alahelo. 10Manatre'tegna eo anatrehan'ny Tompo, de hanandratra andriô Izy.11Aza mifagnaratsy andreo, ry rahalahy. Ny olona izegny magnaratsy ny rahalahiny na mitsara ny rahalahiny de manohitra ny lalàna ary mitsara ny lalàna. Raha mitsara ny lalàna andreo, de tsy mpagnaja ny lalàna, fa mpitsara. 12Reka my no magnomia lalàna sy mitsara. Izy lay reka afaka magnavotra sy magnafoagna. Zovy ma anô, no mitsara ny namanô?13Ka mitonoà, andreo izegny mizaka hoe: "Niany na amaregna de hiditra amin'ity tanàna ity antsena, hibodika taona reka akô, hagnano varotra, ary halaka tombony." 14Zovy no mahafantatra izegny raha hisy amaregna, ary ino ny fiegnandreo? Fa zavona mandalo bitibitika andreo ary manjavona avekeo.15Fa koza, tokony hizaka andreo koe: "Raha sitrapon'ny Tompo, de ho velona antsena ary hagnano an'izô sy izô." 16Fa amin'izô fotoana andreo de mipoerapoera amin'ny tetika mieboebo. Ny fipoerapoerana jiaby karan'izany de ratsy. 17Ka ho an'izegny mahafantatra magnano ny tsara jiaby nefa tsy magnano an'izany, de heloka ho ananjy izany.

Chapter 5

1Magnatogna, andreo izegny mana-karena, mitomagnia sy mibaràrà noho'ny fahoriana tonga amindreo. 2Ny fanagnandreo de efa lo, ary ny raha sikinindreo efa lanin'ny kalalô. 3Ny volamenandreo sy ny volafotsindreo de efa harefesina. Ny harafesina de vavolombelona hagnampanga andreo. Hagnoro ny nofondreo kara afo izany. Notehirizindreo ho amin'ny andro farany ny fanangnandreo.4Indro, ny karaman'ny mpiasa de mitaregna _ny karama izegny nitanandreo tsy ho an'izegny nampavagnona ny sahandreo, ary ny fitaregnan'ny mpambely de efa tonga tan-tadignin'ny Tompon'ny maro. 5Nivelona tamin'ny fanagnana taketo an-tany andreo ary nagnaram-po tamin'ny tegnandreo. Natavezindreo ny fondreo ho an'ny andro famonona. 6Nagnameloka sy namono ny olo-marina andreo. Tsy nanohitra andreo izy.7Ka mahavandria, ry rahalahy, mandra-pihavian'ny Tompo. Indro, ny mpamboly mandigny ny vokatra sarobidy avy amin'ny tany. Mandigny an'izany am-pahavandriana izy, mandra-pahazaoan'izany ny loha-orana sy fara-orana. 8Andreo my koà de mahavandria. Hamazagno ny fondreo satria efa marivo ny fiavian'ny Tompo.9Aza mifampitsara, ry rahalahy, mba tsy ho tsarena andreo. Indro, ny mpitsara mitsangana akeo am-barangaragna. 10Mangalà ohatra, ry rahalahy, avy amin'ny fijaliana sy ny fahavandrian'ny mpaminagny, izegny nizaka tamin'ny agnaran'ny Tompo. 11Indro, atôntsena sambatra zareo izegny efa nivandry. Efa regnindreo ny faharetan'i Joba, ary fantandreo ny tanjon'ny Tompo, ny maha-feno ny fangorahana sy famindram-po Ananjy.12Fa ambonin'ny raha jiaby, ry rahalahiko, aza mifanta na amin'ny lagnitra na amin'ny tany, na amin'ny fifantana hafa. Fa koza, ôka ny zakandreo hagnano hoe: "Eka" ho "Eka" ary ny "Aha" ho "Aha," mba tsy hiditra amin'ny fitsarana andreo.13Misy olona va akeo amindreo mijaly amin'ny ady sarotra? Oka izy hivavaka. Misy olona faly? Oka izy hihira fiderana. 14Misy marary va akeo angivondreo? Oka izy hagnantso ny loholon'ny fengonana, ary ôka zareo hiavavaka ho ananjy. Oka zareo hagnosotra menaka ananjy amin'ny agnaran'ny Tompo. 15Ny fivavaky ny finoana no hanasitrana ananjy. Raha nanota izy, de hamela ananjy Andriamanitra.16Ka mifagnekia heloka andreo, ary mifampivavaha, mba ho sitrana andreo. Ny vavaka atôn'ny olo-marina de tegna matanjaka amin'ny asany. 17Elia de lilahy nitovy tamintsena my. Nivavaka mafy izy mba tsy hilatsahan'ny ranon'orana, ary tsy nilatsaka tamin'ny tany nandritra ny telo taona sy enim-bolana izany. 18Avy takeo de nivavaka ndreka i Elia. Ny lagnitra de nagnomia ranon'orana, ary ny tany de namoa ny vokatrany.19Ry rahalahiko, raha misy akeo amindreo miala amin'ny fahamarinana, ary misy reka mampierigna ananjy, 20de tokony ho fantatr'io olona fa na zovy na zovy mangala ny mpanota reka tamin'ny lalan-diso de hagnavotra ananjy amin'ny fahafatesana, ary hanarogna fahotana marobe.