To view a copy of the CC BY-SA 4.0 license visit
http://creativecommons.org/licenses/by-sa/4.0/
Notices:
You do not have to comply with the license for elements of the material in
the public domain or where your use is permitted by an applicable
exception or limitation.
No warranties are given. The license may not give you all of the
permissions necessary for your intended use. For example, other rights
such as publicity, privacy, or moral rights may limit how you use the
material.
Psalms
Chapter 1
1Tretrika ny ona ze tsa magnorika ny torohevitsy ny ratsy fagnahy,na mijoro miaraka amin'ny mpanota,na mitoatsa eo amin,ny mpagneso.2Fa ao amin'ny Yaveh ro sitrany,eko amin'ny lalany i ro misaitsaigna andro sy aligna.3Ho salany hazo nambolena tamin'ny riakin'ny rano ze mamokatsa reo voany amin'ny vanim-potoany,ze tsa malazo ravigna i,ze hataony de ambinina aby.4reo ratsy fagnahy de tsa zey,feny salan'ny akofa zey ferin'ny rivotsa. 5 Ko tsa hitsangagna ho ao amin'ny fitsarana reo ratsy fagnahy,na reo mpanota ho ao amin'ny vondron'ireo marina.6Fa Yaveh de magneky ny lalan'ireo marina, fa ny lalan'ireo ratsy fagnahy dee ho levogna.Chapter 2
1Nahoana ny firenena ro ao agnaty korotagna,eko nahoana ny ona ro manao teti-dratsy zey tsa hahomby? 2Miara-mitsangagna reo mpanjakan'ny tany eko miara-mioko manohitsa an'i Yaveh sy ny Mesiany reo mpanampaka, manao hoe:" 3Oka tsika hamiravira reo rojo vy ze apetrany eto amitsika eko hanoraka reo rojon- dreo."4I zey mitoatsa agny an-dagnitsa himehy andreo; haneso andreo ny Tompo. 5De hitarogna amidreo amin'ny fahasiahany i eko hagnorohoro andreo fahavignirany, manao hoa:6Iahop tegnako ro manendry ny mpanjakako ao ziona, tendrombohitsa masina." 7Hitarogna lalan'i Yaveh raika iaho. Hoy I taminahy: "Zanako agnao! Amin'ty andro ty de rainao Iaho."8Mangataha aminahy, de homeko anao ho lovanao reo firenena eko ho fanagnanao reo faritsa lavitsa ndrindra. 9Ho toroanao amin'ny tehim-by, salan'ny siny reo,hamotipotika anireo agnao."koa ankehitriny, ry mpanjaka, mitandrema;mahintsia; ry mpanapaka ny tany.Midera an'i yaveh amin-tahotsa eko mifalia amin'ny fangovitana.12Orohy ny zanaka nge hasiaka aminao i, ko ho maty amin'ny lalan'ny firihetan'ny fahasiahany mandritsa ny fotoagna fohy agnao.Tretrika reo ze mitadia fialofana Aminazy.Chapter 3
1Salamo nataon'ny Davida, sy nilefa an' i Absaloma zanany i.Ry Yaveh,firy reo fahavaloko! Be ro mitsangagna nanohitsa anahy. 2Be ro mitarogna momba anahy hoe:"Tsa misy fagnampiana ho anazy hatamin'Andriamagnitsa.3Fa Agnao, ry Yaveh, de fiarovana magnodidigna anahy voninahitso mampitraka ny lohako. 4Aho magnandra-peo amin' Yahveh, ary mamaly anahy amin'ny havoagnany masina I.5Nandry aho ka natory; nifoha aho, satria Yaveh miaro anahy. 6Tsa hatahotsa ny haben'ona aho mampanohitsa ny tegnan'ireo aminahy amin'ny lafiny abiaby.7Mitsangana ry Yaveh! Vonjeo aho, ry Andriamagnitsa o! Fa hamely ireo fahavalo aby amin'ny valagnorano Agnao; hamotika ny nidindreo ratsy fagnahy Agnao.8 Avy amin' Yaveh ny famonjena. Ho amin'ona anie ny fitahianao.Chapter 4
1v 1 ho an'ny mpiventy hira; amin'ny lokanga. Salamo nataon'i Davida.Valio aho sy mangaika, ry Andriamagnisin'ny fahamarignako; omeo efi-tragno sy trotraka an-katirena.Mamindra fo aminahy eko tainò ny fivavako.2Raona, mandra-pahoviana agnareo ro hagnova ny voninahitso ho fahafaha-baraka? Mandra-pahoviana agnareo ro ho tea raha foagna sy mitadia vandy?Sela. 3Fa fataro fa Yaveh magnavaka ny masina hoan'ny tegnany. Handre Yaveh lehe mangaika Anazy iaho.4Mangovita amin-tahotsa, f'aza manota! dinidiniho ao am-ponareo eo am-pandrena eko aoka hangina.Sela 5Atoloro reo soran'ny fahamarignana eko apitraho amin'i Yaveh ny fahatokianao.6Be ro mitarogna hoe:"Ia ro mba hagnatoro raha soa? Yaveh ô. Atsangano aminay ny fahazavan'ny tarehinao.7 Agnao ro efa nagnome ny foko hafaleana mihoatsa nohon'ny an'ny hafa aby mitobaka ny varin-dreo sy ny divainy vaovao. 8Ampiadagnana ro handreko sy hatoriako satria agnao rery, Yaveh, ro mahatonga anahy hitoatsa tsa managna ahiahy.Chapter 5
1Ho an'ny mpiventy hira; miaraka amin'ny raha magneno tsofina. Salamo nataon'i Davida. Taino ny kaikako Aminao, ra Yaveh; hivero reo fitaraignako. 2Taino ny kaikako, ra Mpanjaka sy Andriamagnotso, fa Aminao aho ro mivavaka. 3Yaveh o, mandre ny taraignako Agnao amin'ny maraigna, mitondra ny fiangaviako aminao iaho amin'ny maraigna ary miandry magnategna.4Andriamagnitsa tsa makato nraha ratsy Agnao, tsa mba ho vahininao reo ona ratsy.5 Ny mpiavognavogna de tsa hitsangagna eo amin'ny fagnatrehanao; tsa tea an'ze managna fitondran-tegna ratsy Agnao.6 Hamotika reo mpivandy Agnao; Yaveh de tsa tea ny ona maditsa sy mpamitaka.7Fa lehe ny aminahy, nohon'ny halehiben'ny fagnikenao mahatoky, de ho avy ao an-dragnonao Aho; amim-pagnajana ro hiankohofako magnandreha ny tempolinao masina.8 Tompoko ,tariho amin'ny fahamarignanao noho reo fahavaloko ; apahitsio eo agnatrehako ny lalanao.9Fa tsa misy fahamarignana ny eo am-bavan'reo ;ratsy ny agnatiny ratsy, fasagna mivoha ny tendan-dreo; malemy amin'ny lelany reo.10 Lazao ho meloka reo, Andriamagnitsa o; oka ho fienjehany ze teti-dratsy ataon-dreo! Ampiengao reo noho ny fandikan-dalan'ny maro,satria nanohitsa Anao.11F'aoka hifaly aby ze mialoka Aminao; aoka reo hikiaka am-pifaleana hiany satria Agnao ro miaro an-dreo; Aoka hiravoravo aminao reo , de reo ze tea ny Agnaranao. 12Hitahy ny marina Agnao, Yaveh; fankasitrahana ro ataonao magnodidigna an-dreo sahalamin'ny ampinga lihibe.Chapter 6
1Ho an'ny mpiventy hira; amin'ny lokanga, natao tamin'ny fomban'ny Al-shashemith. Salamo nataon'i Davida. Yaveh, azamasiaka anahy amin,ny fahasiahanao na magnafay anahy amin'ny fahavigniranao.2 Mamindra fo aminahy, Yaveh, fa osa aho; sitragno aho, Yaveh, fa mangovitsa ny taolako.3Tena ory hiany koa ny fagnahiko. Feny Agnao, Yaveh o, mandra-pahoviana ro hitohizsan'zay?4 Mipodiana, Yaveh o! vonjeo aho. Vonjeo nohon'ny famindram-ponao! 5Fa tsa misy fahatsiarovana Anao agny amin'ny fahafatesana. Ia hisaotsa Anao agny amin'ny fiainan-tsa hita?6Rokaka ny misento aho. Kotsan-dranomaso ny fandriako isak'aligna; manasa ny fandriako amin'ny ranomasoko iaho. 7Lanin'alahelo ny masoko; avy de tsa manan-kery reo nohon'ny ataon' reo fahavaloko aby reo.8Mialà aminahy, agnareo aby mpanao ratsy ;fa Yaveh efa nahare ny ny feon'ny fitomagniako.9 Efa nahare ny kaikako ho amin'ny famindram-po i Yaveh; Efa nandray ny vavakako i Yaveh.10 Ho megnatsa sy hikorotagna tanteraka aby manotolo ny fahavaloko.Chapter 7
1Mozika norognin'i Davida, zey nohirainy ho an'i Yaveh mahakasika reo taron'i Kosa lay Benjamita. Yaveh Andriamagnitsa o, mialoka Aminao aho! Afaho amireo ze magnenjika anahy iaho, ery vonjeo.2 Lehe tsa zay, hoviravirain-dreo sahalamin'ny liona aho,triariny tsa misy ona afaka hitondra fiarovana ho anahy.3Yaveh Andriamagnitsa o, tsa vona nanao ze dinazan'ny fahavaloko ho nataoko mihintsy iaho; tsa misy tsa fahamarinana eo amin'ny tagnako.4 Tsa vona nanao ratsy tamin'ia n'ia soa taminahy fihavanana taminahy iaho, na nagnisy ratsy ze nanohitsa anahy amin'ny tsa misy antony.5Lehe tsa milaza iaho de oka ny fahavaloko handoditsa ny aiko ery hanambotsa an'zay; oka i handia ny vatako vona velogna amin'ny tany eko hapandry ny voninahitso amin'ny vovoka. Sela6Mitsangana, Yaveh , amin'ny fahasiahanao; mitsangana alohan'ny fahasosoran'reo fahavaloko; mifohaza hagnampy anahy sy hagnatanteraka ny didy marina ze efa nandidianao ho an-dreo.7 Mibotry magnodidigna anao reo firenena; alao ndraika ny toeranao marina eo amin-dreo.8Yaveh, tsarao reo firenena; hamarino aho, Yaveh, satria marina sy tsa manan-tsigny aho, ry Avo indrindra. 9Oka hifaragna ny asa ratsin'ny ratsy fagnahy. Fa apitraho reo ona marina, RY Andriamagnitsa marina, ze mandinika ny fo sy ny eritseritsa.10Hatamin'Andriamagnitsa ny ampingako, ny tokagna ze namonjy ny mahintsy am-po. 11Mpitsara marina Andriamagnitsa, de ly Andriamagnitsa masiaka isan'andro.12Lehe tsa mibebaka ny ona raika, handragnitsa ny sabany Andriamagnitsa ery hagnomagna ny tsaip[ikany ho amin'ny ady. 13Magnomagna ny fampiasana reo fiataovam-piadiana hanoherana anazy I; ataonay meledaleda reo zana-tsipikany voalambolambo.14Saigno ny momban'ny betrokan'ny faharatsiana, ze manao tetika handravana, ze miteraka lenga hampidi-doza.15 Mandavaka fatsakana i ery magnalalaka an'zay ery trotraka ao amin'ny lavaka ze nataony i. 16Mipody ao an-dohany hiany reo fikasany hanimba, satria ny herisetrany de mikororoka ao an-dohany hiany.Hisaotsa an'i Yaveh noho ny fahamarinany iaho; hihira fiderana ho an'i Yaveh Avo indrindra aho.Chapter 8
1Ho an'ny mpiventy hira , natao tamin'ny fomban'i Al-hagitith. Salamo nataon'i Davida. Yaveh Andriamagnitsay, endriaho ny hasoan'ny agnaranao eo amin'ny tany aby manotolo, Agnao ze manoro ny voninahitsao egny amin'ny lagnitsa ambony. 2Hatamin'ny vavan'ny anazaza sy ny kilonga ro efa namorognanao fiderana noho ny amin'reo fahavalonao, mba hampingina ny fahavalo sy ny mpamaly faty3Lehe miandrandra ny lagnitsa iaho, zey nataon'ny ratsan-tagnanao, ny volagna sy reo kitagna, ze natoatsanao tamin'ny toerany, 4ina moa ny ona ro ahatsiarovanao anazy,na nyn olombelogna ro hirarahianao an-dreo?5 Nefa nataonao ambany kely noho ny raha managn'aigna eka agny an-dagnitsa reo eko nampisatrohanao voninahitsa sy haja.6Ataonao mpanapaka eo amin'ny asa-tagnanao i; nataonao eo ambany tongony ny raha aby:7 ny ondry aman'osy sy ny omby, eko zay biby aby amin'ny saha, 8reo vorgna egny amin'ny habakabaka, sy reo trondro agny an-dranomasina, ny raha aby ze mandalo eo amin'ny lalan-dranomasina.Yaveh Tomponay, endriaho ny hasoan'ny agnaranao eo amin'ny tany aby!Chapter 9
1Ho an'ny mpiventy hira,natao tamin'ny fomban'ny Almoth-laben. Salamo nataon'i Davida. Hisaotsa an'i Yaveh amin'ny foko manotolo iaho; hagnambara ny asanao mahazendagna aby iaho. 2Hifaly sy handihy ao aminao, hihira fiderana ho an'ny agnaranao iaho, ry Avo indrindra!3Sy mihemotsa ny fahavaloko, de ho totoitsa sy ho maty marìny Anao reo. 4Fa efa niaro ny rariny agnao; mitoatsa eo amin'ny seza fiandriagnanao agnao, ry mpitsara marigna!5Efa nasiaka reo firenena Agnao; efa nandrodagna ny ratsy fagnahy Agnao. Efa vinononao mandrakizay doria ny agnarandreo. 6Toa salany faharavana reo fahavalo sy nandringagna ny tananan-dreo Agnao. Nanjavogna ny fahatsiarovandreo an'azy aby.7Fa mitoatsa mandrakizay Yaveh; Efa nametraka ny seza fiandrianany ho amin'ny fahitsiana I.8 Hitsara ny tany amin'ny fahamarionana I, eko hampihatra ny fitsarana ho an'i firenena amin'ny rariny i.9Ho fiarovana mahery ihiany koa i Yaveh, ho fiarovana mafy ho amin'ny fotoan-tsarotsa. 10Ze mahalala ny agnaranao de matoky Anao, fa Agnao ,ry Yaveh, tsa mba mamela ze mitadia Anao.11Mihirà fiderana ho an'i Yaveh, i ro manapaka ao Ziona; lazao amireo firenena ny raha vitany. 12Fa Andriamagnitsa ze mamaly ny fandatsahan-drà de mahatadidy; tsa magnadigno ny fitaraiugnan'ireo ory I.13Mamindrà fo aminahy, Yaveh ; jireo ny fampijaliany ze tsa te anahy. Agnao zey afaka misitogna anahy ambavahadin'ny fahafatesana.14 Endriaho, te hilaza ny fiderana Anao aby iaho. Eo ambavahadin'ny zanaka vavin'i Ziona ro hifaliako amin'ny famonjena!15Niletika tagnatin'ny lavaka nataondreo ny firenena tratsa tao amin'ny harato ze nasitrin-dreo ny tongony.16 Nampahafantatsa ny tegnany Yaveh; napihatsa fitsarana I; voafandrika tamin'ny nataony hiany reo ratsy fagnahy. Sela.17Nomen-damosigna ny ratsy fagnahy de nalefa tagny amin'ny fianan-tsy hita, de ny anjaran'ny firenena ze magnadigno an'Andriamagnitsa.18 Fa reo misotry de tsa ho adigno mahintsy, ny fagnatignan'ny ory koa de tsa ho very mandrakizay.19Mitsangana, ra Yaveh o, aza avela handresy Anao ny ona; apitraho reo firenena ho tsaraina eo imasonao.20 Ampitahoro reo, Yaveh; apitraho ho fatatsy ny firenena manotolo fa ona hiany reo. SelaChapter 10
1Nahoana, Yaveh,ro miegnina egny lavitsa egny Agnao? Nahoana ro manitrika ny tegnanao amin'ny fotoan-tsarotsa Agnao?2 Noho ny avognavon-dreo, ny ory de dozoriny'ny ratsy fagnahy; nefa oka aroa ny ratsy fagnahy ho voafandriky ny eritseri-dreo ze nohiverindreo hiany. 3Fa reo ona ratsy fagnahy de mirehareha ny amin'ny fagniriany laligna; mitahy reo te vola i ery maniratsira an'i Yaveh.4Nanandratsa ny tavany ny ratsy fagnahy; tsa nitadia an'Andriamagnitsa i. Tsa mieritserotsa ny momba an'Andriamagnitsa mihitsy satria tsa mivakiloha ny momba anazy aby. 5Voaaro amin'ny fotoagna aby i, feny ny didinao marina de avo loatsa ho anazy; mierogna amin'reo fahavalony aby i.6Mitarogna am-pony i hoe: "Tsa ho lavo mandrakizay iaho; hatamin'ny taranako aby de tsa hahita fahoriana." 7Feno ozogna sy fitaka,tarogna mampidi-doza ny vavany; mandriatsa sy mamotika ny lelany.8Mpamitaka am-pisitrihana teo agnilan'ny tanàna i. Agny amireo toerana misitrika ro hamonoany ny tsa manan-tsigny; mitadia reo niharam-boigna tsa afa-manoatsa ny masony. 9Misitrika ao amin'ny mangina dekoa liona agnaty kirihitsa i; mahavoasambotsa ny ory i sy misitogna ny haratony. 10Reo ze tratsany de tinorotorony ery zinerany; trotraka tagnatin'ny haratony lihibe reo.11tarogna anakampony i hoa: "Efa nagnadigno Andriamagnitsa; nanafotsa ny tavany I, tsa hisahiragna hijery koa I."12 Mitsangàna, Yaveh o! Asandrato ny tagnanao , Andriamagnitsa o! Aza magnadigno ny ory.13Nahoana ro mandà an'Andriamagnitsa ny ona rasty fagnahy ery mitarogna anakampony hoa: " Tsa hitagna anahy ho tompon'andraikitsa ve agnao?"14 Efa naharay filazana agnao, fa hitanao hiany reo ze aharan'ny fahoriana sy alahelo. Miankigna aminao reo tsa afa-manoatsa; mpamonjy ny kamboty Agnao.15Tapaho ny sandrin-reo ratsy fagnahy sy ny ona ratsy. Atovy tompon'andraikitsa amin'ny ratsy nataony i, ze nohiveriny tsa ho hitanao. 16Mpanjaka mandrakizay Yaveh; drinoaka teo amin'ny taniny reo firenena.17Yaveh, efa nahare ny fitaraignan'reo ory Agnao, mampahery ny fon-dreo Agnao, mihaino ny vavaka ataon-dreo Agnao; 18miaro ny kamboty sy ny ory Agnao ko tsa hisy ona ambonin'ny tany hampihorohoro ndraika koa.Chapter 100Salamo fanomezam-pisaorana.
1Mihobia am-pifaliana an'i Yaveh, agnareo ry tany. 2Manompoa an'i Yaveh ami-piravoravoana; mandehana eo agnatrehany amin'ny fihirana fihobiana.3Fantaro fa i Yaveh ro Andriamagnitsa; nanao antsika I, sady Anazy atsika. Vahoakany sady ondrin'ny fihinanam-bilony.4Midira amin'ny vavahadiny amin'ny fagnomezam-pisaorana ary ao an-kianjany amin'ny dera. Manolora fisaorana ho Anazy ary derao ny agnarany. 5Fa soa Yaveh; maharitsa mandrakizay ny famindram-pony ary miparitaka amin'ny taranany ny fahamarinany.Chapter 101
1Salamo nataon'i Davida. Hira ny fagnekena mahatoky sy fahamarinana aho; ho Anao, Yaveh, hihira fiderana aho.2Hizotsa amin'ny lala-marina aho. Eh, sy viana ro ho avy eto aminahy eto Agnao? Hizotsa amin'ny fahitsiana aho ao andragnoko ao. 3Tsa hagnisy fahadisoana alohan'ny masoko aho; tsa te ny ratsy aho; tsa hifikitsa aminahy mihintsy zey.4Hiala aminahy ny mpamadika; tsa hankasitraka ny ratsy aho. 5Ho potehiko ze magnendrikendrika mangingigna ny namany. Tsa bhandefitsa ny ona ze managna fihetsika mieboebo sy toe-tsaigna miavognavogna aho. 6Hizaha ny ona mahatoky eo amin'ny tany aho mba hitoatsa eoagnilako. Ze mandeha amin'ny lala-marina ro mahazo manompo anahy.7Tsa hitoatsa an-dragnoko mihintsy ny ona mpamitaka; tsa hitomoatsa eo alohan'ny masoko ny mpandenga.8 Isa-maraigna isa-maraigna ro hamotehako ny ratsy fagnahy amin'ny tany; halaiko hatagny amin'ny tanànan'i Yaveh ny mpanao ratsy.Chapter 102Ny fivavaky ny ory sy rokaka i ary mandraraka ny fitaraignany alohan'i Yaveh;
1Hino ny taraignako Aminao. 2Aza asitrika aminahy ny tavanao amin'ny andro-pahoriako. Hino aho. Lehe mangaika Anao aho, de valeo malaky aroa.3fa mandalo salamin'ny setroka ny androko, sady mandoro salamin'ny afo ny taolako. 4Torotoro ny foko, sady salamin'ny ahitsa malazo aho. Tsa tsiaroko aby ny mihinan-kanina.5Noho ny fisentoako hiany,de niha nahia mihintsy aho. 6Salamin'ny sama agnagn'efitsa; niova salamin'ny vorondolo agn'antanàna haolo.7Tsa mahita tory sahala ny vorona mandeha rery aho;iaho rery ro ao ambonin-drihagna ao.8 Magnopa anahy aby ny fahavaloko isan'andro zao; ny magneso anahy mampiasa ny agnarako ho fagnozognana.9Mihignana lavenona sahala ny mofo ary mampifangaro ny raha fisotro amin'ny ranomaso.10 Noho ny haviniran'ny fahatezeranao, no nanandratanao anahy mba handavoana anahy.11Salamin'ny aloka malazo ny androko; sady nalazo tahaka ny ahitsa aho.12 Nefa, Agnao, ry Yaveh, de velogna mandrakizay, ary ho andreo taranaka aby ny lazanao.13Hitsangagna Agnao ko hamindra fo amin'i Ziona. Zao ro fotoagna hamindrana fo aminazy; avy ny fotoagna voatondro.14 Fa ny mpanomponao mitagna ny vato malalany sady mangoraka ny vovoky ny faharingagnany. 15Hagnajay agnaranao ny firenena, Yaveh, sady hanandratsa ny voninahitsao aby ny mpanjakan'ny tany. 16Hagnamboatsa an'i Ziona ndraika i Yaveh de hipoitsa ao ny voninahiny.17Amizay fotoagna zay, de hamaly ny fivavaky ny mahantra i; tsa handà ny vavakan-dreo I. 18Hosoratana ho an'ny ze taranaka ho avy zay,ary ny ona tsa vona teraka de hidera an'i Yaveh.19Fa efa niondrika nijery hatagny amin'ny toerana avo masina I; hatagny an-dagnitsa Yaveh ro mitsinjo ny tany, 20mba handre ny fisenton'ny gadra, mba hamototsa ze voaheloka ho maty.21De hitarogna ny agnaran'i Yaveh agny Ziona sy agny Jerosalema ny ona 22sy miara-mivory mba hanompo an'i Yaveh ny vahoaka sy ny fanjakana.23Efa nalainy taminahy teo agnivon'ny fiaignako ny heriko.Nafoheziny ny androko.24 Hoy aho hoe:" Andriamagnitsa o, aza alaina eo apovoan'ny fiaignako aho; fa eo maneragna ny taranaka aby manotolo Agnao.25Nametraka ny tany tamin'ny fitoerany Agnao fahiny; asan'ny tagnanao ny lagnitsa. 26Ho levogna reo, fa Agnao hitoatsa; hiha-antitsa salan'ny fitafiana aby reo; salan'ny akanjo, ho alaina reo, de hanjavogna. 27Nefa Agnao tsa miova, sady tsa hanam-piafarana ny taognanao.28Ny zanaky ny mpanomponao reo ho velogna, sady ho velogna eo amin'ny fagnatrehanao ny tarana-dreo."Chapter 103Salamo nataon'i Davida.
1Hidera an'i Yaveh aho amin'ny fiaignako manotolo, sy ze ato agnatiko ato, hidera ny agnarany masina.2 Hidera an'i Yaveh amin'ny fiaignako aby aho, sady hahatsiaro reo asany aby.3Mamela ny helokao aby I; magnasitragna ny aretinao aby manotolo I.4 Magnavotsa ny ainao amin'ny faharavana I; manarogna fagnekena mahatoky anao I sady mamindra fo tokoa. 5Manao ze mahafa-po ny fiaignanao amin'ny zava-tsoa I mba ho vao salan'ny voromahery ndraika koa ny fahatanoranao.6Manao ze rariny Yaveh sady manao ny asan'ny fahamarinana aby ho an'ny ory.7 Nampahafatariny an'i Mosesy ny lalany, sady tamin'ny taranak'Israely reo asany. 8Mamindra fo sy miantra Yaveh; mahari-po; sady be famindra-po.9Tsa hagnafay mandrakariva I; sady tsa hasiaka mandrakariva. 10Tsa manao atsika araka ze mendrika ny fahotatsika I na mamaly atsika araka ze takian'ny otantsika.11Salany hahavon'ny lagnitsa ambonin'ny tany, ro haben'ny famindra-pony amireo ze magnome voninahitsa Anazy. 12Salamin'ny halaviran'ny hagnalany ny heloky ny fahotatsika amitsika.13 Salany ray mangoraka ny zanany, ro angorahan'i Yaveh reo ze magnome voninahitsa Anazy.14Fa fantany ny nanaovany antsika; fantany fa vovoka tsika. 15Lehe ny amin'ona, de salan'ny ahitsa ny androny; mitsiry salan'ny vonikazo agny an-tanim-boly i.16 Tsofin'ny rivotsa ,de manjavogna,sady tsa misy na ia na ia afaka mitarogna hoe taia ro nitsiriany taloha.17Feny ny famindram-pon'i Yaveh de avy amin'ny maharitsa mandrakizay hatamin'ny maharitsa mandrakizay ho an'reo ze magnome voninahitsa Anazy. Mihitatsa agny amin'ny taranan-dreo ny fahamarinany. 18Mitandrigna ny fagnikeny sy ,mahatsiaro ny fankatoavana reo fampianarany reo. 19Efa nampitoatsa ny seza fiandrianany agny an-dagnitsa Yaveh, sady manjaka amin'ona aby ny fanjakany20Miderà an'i Yaveh, agnareo anjeliny, agnareo maheriny ze matanjaka sy manao ze tarogniny,sady mankato ny feon'ny tarogniny. 21Miderà an'i Yaveh aby, ry miaramilany, agnareo mpanompony ze magnatanteraka ny sitra-pony. 22Miderà an'i Yaveh aby, ra zava-boahariny,agny amin'ny toerana aby ze fanjakany. Hidera an'i Yaveh amin'ny fiaignako aby iaho.Chapter 104
1Hidera an'i Yaveh amin'ny fiainako manotolo iaho, ry Yaveh Andriamagnitso o, mahafinaritsa loatsa Agnao; mitafy famirapiratana sy voninahitsa Agnao.2 Feno fahazavana ho fitafiana Agnao;avelatsao salan'ny lamban-day ny lagnitsa. 3 Mampitoatsa ny andrian'ny efi-tragnonao ambony rahogna Agnao; nataonao ho kalesinao ny rahogna; mandeha amin'ny elatsy ny rivotsa Agnao.4Ataony ho irany ny rivotsa, ho mpanompony ny lelafo.5 Nampitoatsa ny fanambanin'ny tany I, ko tsa hihozongozogna mihintsy zey.6Nanarogna ny tany tamin'ny rano salan'ny fitafiana Agno; nanarogna ny tendrombohitsa ny rano. 7Ny fahasihanao ro mampihemotsa ny rano; tamin'ny fagnenon'ny fikotrokotroky ny feonao ro nampilefa andreo.8Nitsangagna reo tendrombohitsa, eko reo lohasaha niely tagny amin'ny tany ze efa tinendrinao ho anazy. 9Namaritsa sisitany ho andreo Agnao mba tsa hihoarany; ko de tsa hanarogna ny tany koa reo.10Nampikororoka loharano tegny amireo lohasaha I; mikoriana agnelagnelan'ireo tendrombohitsa ny rian-drano.11 Mamatsy rano ho an'ny biby agna-tamboho aby reo; de afa- keteheta ny apondradia.12 Manambotsa ny akaniny eo amoron-drano reo vorogna. Mihira egny amin'ny ratsa-kazo reo.13Mandroaka reo tendrombohitsa hatamin'ny fitoeran-dranony agnan-dagnitsa I. Feno vokatsy ny asany ny tany .14 Mampitsiry ahitsa ho an'ny biby fiompy sy voly ho an'ny ona ho volena I mba hahafahan' ona mamokatsa hanina amin'ny tany. 15Manao divay hampifaliana ny ona I,diloilo mba hampamiratsa ny ainy.16Ireo hazin'Yaveh de voatondraka oram-be; de reo sederan'i Libanona ze nambolenay. 17Eo ro agnoregnn'ny vorogna ny akaniny. Ny voronkely manao ny hazo kypreso ho fonegnany.18 Ny osidia monigna agny amireo tendrombohitsa avo; eko ny haavon'ny tendrombohitsa ro fialofan'ny hyraka.19Nanendry ny volagna ho mariky ny fotoagna I; fantatsy ny masoandro ny fotoagna hilitehany.20 Nataonao ny aizin'ny aligna sy mienga ny bibidia agnagn'ala aby.21Mierogna nho an'ny hazany ny liogna tanora eko mitadia ny haniny hatamin'Andriamagnitsa .22 Sy mipoaka ny masoandro, de misitaka reo ko matory agny an-davany.23Mandritsan'izay fotoagna zay, ny vahoaka mienga ho amin'ny asany sy misasatsa mandra-pahariva.24 Yaveh o, endrey ny haben'ny karazan'ireo asanao! Nataonao tamim-pahendrena i aby; feno ny asanao ny tany.25Ty ny ranomasina, laligna sady midadasika, mihetsiketsika miaraka amireo zava-boahary tsa voatanisa,na kely na lihibe. 26Mandeha eo y sambo, eko eo koa ny Leviatana, ze nataonao hiregnina an-dranomasina.27Reo aby de mijery Anao mba hagnome ny sakafony ara-potoagna.28 Sy magnome Agnao, de mamory reo; mamelatsa ny tagnanao Agnao , de afa-po reo.29Sy manitrika ny tavanao Agnao, de matahotsa reo; sy magnala ny fofonain-dreo Agnao; de maty reo ko hody vovoka.30 Sy mandefa ny Fagnahinao Agnao, de voahary reo, ko hagnavao ny tany ndraika Agnao.31Haharitsa mandrakizay anie ny voninahits'i Yaveh, hisitraka ny voahariny anie Yaveh. 32Miondrika mijery ny tany I, de mihorohoro izey; mikasika reo tendrombohitsa I; de manetroka zey.33Hihira ho an'i Yaveh amin'ny fiaignako manotolo iaho lehe vona velon'aigna madigna.34 Ho mamy aminy anie ny fisaignako; hifaly amin'i Yaveh iaho.35Hanjavogna eto an-tany anie ny mpanota, eko aoka ho foagna ny ratsy fagnahy. Hidera an'i Yaveh amin'ny fiaignako manotolo iaho. Midera an'i Yaveh.Chapter 105
1Misaora an'i Yaveh, keho ny agnarany; ampahafantaro amin'ireo firenena reo ny asany. 2Mihirà ho Anazy, mihirà fiderana ho Anazy; tarony aby reo asany aby manontolo mahatalanjona.3 Mireharehava amin'ny agnarany massina; aoka ny fondreo ze mitady an'Yaveh hifaly.4Mitadiava an'i Yaveh sy ny heriny; tadiavo hatrany hatrany ny fanatrehany.5 tadidio reo raha mahagaga efa mataony, reo fahagagany sy reo lalàny avy ao am-bavany,6 agnareo taranak'i Abrahana mpanompony, agnareo vahoak'i Jakoba, olom-boafidiny.7I ro Yaveh, Andriamagnitsika. Eo amin'ny tany aby manontolo reo didiny.8 Ataony an-tsaina mandrakizay ny fanekeny, de ny teny ze nididiany ho andreo taranaka an'arivony.9Mahatsiaro ny fanekena zay nataony tamin'i Abrahama sy ny fianianany tamin'i Isaka I. 10Zay ro namafisiny tamin'i Jakoba ho lalàna sy tamin'ny Israely ho fanekena maharitsa mandrakizay. 11Hoy I:" Homeko anjara lovanareo ny tany Kanana."12NIlaza zay i tamin'ny vana vitsy isa reo, tena vitsy, ro mpivahiny tagnatin'ny tany.13 Nipodopody tamin'ireo firenena sy avy any amin'ny fanjakana ho any amin'ny raika hafa reo.14Tsa namela na ia na ia hampahory andreo I; nandatsa mpanjaka bedebe I noho ny amindreo. 15Hoy I hoe:" Aza mikasika reo olom-boahosotso, ary manisy ratsy reo mpaminaniko."16Nikaika mosary ho amin'ny tany I; nanapaka ny famatsiana mofo manontolo I. 17Naniraka ona hialoha lalana andreo I; namidy mpanompo i Josefa.18nafatony tamin'ny tady vy ny tongony; tamin'ny tendany nasiany rojo vy,19 ambara-pahatanteraka ny teniny, de nitsapa anazy ny tenin'i Yaveh.20niraka reo mpanompoa hamotsotra anazy Yaveh; nanafaka anazy ny mpanapaka ny vahoaka. 21Nataony nisahana ny tranony ho mpanapaka reo fananany aby manontolo i 22mba hampianatsa reo andriany araka ze iriany sy hampianatsa fahendrena reo loholony, 23 De nankany Egypta ny Israely, ary jakobaivahiny tagnatin'ny Hama.24Nampamokatsa ny vahoakany Yaveh, ary nampatanjaka andreo mihoatsa reo nampatanjaka reo fahavalony. 25Nataony mankahala ny vahoakany ny fahavalondreo, mba hampijaly reo mpanompony. 26Naniraka an'i Mosesy, mpanompony, sy Arona, zay efa nofidiany I.27 Nanatanteraka reo famantarany tamin'ireo Egyptiana reo, reo fahagagany tao amin'ny tany Hama.28Nandefa aizina sy nampamaizina ny tany I, nefa tsa nankato reo didiny ny vahoaka tao. 29Namadika ny ranondreo ho rà I ro namono ny hazan-dranony.30 Rakotsa sahona ny tanindreo, na de ny tao an'efitranondreo mpanapaka anazy.31Nitarogna I, ka de avy nanerana ny tanànandreo ny renin-dalitsa sy moka.32 Navadiny ho havandra ny orandreo, niakatsa tamin'ny afo nidedadeda tamin'ny taniny.33 Nopotehiny ny voaloboka sy ny hazon'aviavindreo reo hazo tao an-tanànandreo.34nitarogna I, de avy ny valala, valala maro be. 35Lanin'ireo valala aby ny zava-maniry tao amin'ny tanindreo; lanindreo aby ny vokatsy ny tany.36 Novonoiny aby ny lahimatoa tao amin'ny tany, ny voaloham-bokatsy ny herindreo aby manontolo.37Noferiny nivoaka niaraka tamin'ny volamena reo Israelita; tsa nisy tamin'ireo fokony tafitohina teny an-dalana.38 Ravoravo Egypta lehe lasa reo, satria natahotsa andreo ny Egyptiana.39 Nampiboely ny rahona ny fandrakofana I de nanao afo hampazava ny aligna.40Nangataka hanina ny Israelita, ka de nitondrany papelika ary nataony afa-po tamin'ny nofo hatagny an-dagnitsa.41 Namaky vatoampy I, na nigororoana teo ny rano; nikoriana tany agn'efitsa tahaka ny renirano reo.42 Fa nahatsiaro ny fampanantiniany masina zay nataony tamin'i Abrahama mpanompony I.43Notarihiny nivoaka tamim-pifaliagna ny vahoaka; tamin'ny hiakam-pandresena ny ona voafidiny. 44Nomeny andreo ny tanin'ireo firenena; naka fananana tamin'ireo haren'ny vahoaka reo45 mba hitandremany ny didiny sy hankatoavany ny lalàny. Miderà an'i Yaveh.Chapter 106
1Misaora an'i Yaveh, fa soa I, fa maharitsa mandrakizay ny famindram-pony.2 Ia ro afaka hanisa reo asa lihibe zay natan'i Yaveh na hanonona feno reo asa mendri-piderany?3Hotahiana anie reo ze manao ny marina, sy reo zay manao asa marina mandrakizay.4 Tsaroy Aho, ry Yaveh, sý mampiseho sitraka amin'ny onanao Agnao; ampio aho lehe mamonjy andreo Agnao. 5Ary de hahita ny fanambinan'ireo voafidinao aho, hiravoravo amin'ny fifalian'ny firenenao sy hanome voninahitsa amin'ny lovanao.6Nanota sahala reo razambeny agnay, nanao ny tsa nety agnay, ary nahavita ratsy. 7Tsa nankatoavin'ireo razanay reo asa soanao tany Egypta; tsa niraharaha ny habetsaky ny famindram-ponao reo; ka nikomy teny amin'ny ranomaina, teny amin'ny Ranomasina Mena.8Na de izay aza, novonjeny reo nohon'ny agnarany mba hahafahany mampiseho ny heriny.9 Notaroniny mafy ny Ranomasina Mena, de ritra izay. De nitarika andreo nita reo laligna I, sahala ny nita efitsa.10Namonjy andreo tamin'ny tanan'ireo zay nankahala andreo I, ary nanavotsa andreo tamin'ny tanan'ny fahavalo. Fa nosaronan'ny rano reo fahavalondreo;11 tsa nisy na de raika amindreo aza ka avotsa.12 Ary nino ny tarogny reo, ka nihira fiderana Anazy.13Nefa nalaky nanadino zay nataony reo; tsa niandry reo torolalany. 14Fatra-pila tany an'efitsa ka nitadia hihoatsa an'Andriamagnitsa tagny an'efitsa. 15De nomeny ny fangatahany, saingy nandefa aretina handany ny vatandreo I.16Tany an-toby de nialona an'i Mosesy sy Arona, mpisorona masin'i Yaveh, reo.17 Nisokatsa ny tany ka niteligna an'i Datana ary nanarona reo mpanaraka an'i Abirama. Nirehitsa teo amindreo ny afo; 18ka nandevona ny ratsy fagnahy ny afo.19De nanao zanak'ombilahy tao Horeba reo ka nanompo ny sarin-draha vy.20 Natakalndreo sarin'ombilahy voasokitsa zay mihinana ahimaitso ny voninahits'Andriamagnitsa. 21Nanadino an'Andriamagnitsa Mpamonjy andreo reo, zay nana asa lihibe tagny Egypta.22Nanao raha soa mahafinaritsa tao an-tanin'i Hama sy raha mahery tao amin'ny ranomasina Mena I. 23Ary nandidy ny fandringanana andreo I, lehe tsa i Mosesy, zay voafidiny, ro niditsa an-tsehatra teo amin'ny fanapahana mba hanova ny fahatezerany amin'ny fandringanana andreo.24De nataondreo tsinontsinona ny tany mahavokatsa; tsa nnino ny fampanantiniany reo; 25fa nimonomonona tao an-dainy reo, ary tsa nankatò an'i Yaveh.26Noho izay de nanangana ny tanany i ary nianiana tamindreo fa hamela andreo ho faty any an'efitsa, 27hampiely ny taranakandreo erak'ireo firenena ary hampiely andreo any amin'ny tany hafa.28Nanompo an'i Bala Peora reo ary nihinana reo sorona natolotsa ho an'ny maty.29 Nihantsy Anazy ho tezitra tamin'ny fihetsiny reo, ka de namely andreo ny areti-mandringana.30De nitsangana i Fineasa ka nirotsaka an-tsehatra, ary nitsahatra ny areti-mandringana. 31Anisan'ny asa marina ho anazy mandrakizay izay hatrany amin'ny taranaka fara mandimby.32Nampatezitra an'i Yaveh koa reo tarogna amin'ny ranon'i Meriba, ka nijaly i Mosesy noho reo.33 Nampahory an'i Mosesy reo, ka de nitarogna mafy i. 34Tsa nandringana reo firenena araka ny nandidian'i Yaveh andreo,35 nefa reo niharo tamin'ireo firenena sy nianatsa ny fanaony36 ka nanompo reo sampiny, zay lasa fandrika ho anazy.37nao sorona reo zanany lahy sy reo zanany vavy ho an'ireo demonia reo.38 Nandatsaka ny rà tsa manan-tsiny reo, ny ràn'ireo zanany lahy sy ny an'ireo zanany vavy zay natandreo sorona ho an'ireo sampin'i Kanana; ka nanimbazimba ny tany tamin'ny rà. 39Voaloto tamin'ireo asany; sahala reo mpijangajanga reo noho ny nataony.40Ka de tezitra tamin'ny ona i Yaveh, ary nataony tsinontsinon ny vahoakany.41 Nameny ho eny an-tanan'ireo firenena reo, ary reo nankahala andreo ro nanapaka taminazy.42Nampahory andreo ny fahavalony, ary noferiny hanaiky ny fahefany reo. 43Sy ndraika avy nananpy andreo I, fa reo koa ro nikomy ary naletiky ny fahotany ihany.44Na izay aza de nijery ny fahoriandreo I sý nitaigno andreo nitagny hovonjena.45 Nampatsiaro ny fanekeny tamindreo I ka nanenina nohon'ny fitiavany tsa miova.46 De nataony niantra andreo ny mpamabo aby.47njeo agnay, ry Yaveh, Andriamagnitsay. Ary angony hatagny amin'ireo firenena, mba haisaoragnay ny Agnaranao Masina sy hanomezanay voninahitsa amin'ny fiderana Agnao. 48Ho deraina anie Yaveh, Andriamagnits'Israely, hatrizay ka ho mandrakizay. Ary nitarogna aby ny ona hoe: "Amena". Miderà an'i Yaveh. Boky fahadimy.Chapter 107
1Misaora an'i Yaveh, fa soa I, ary mandrakizay ny famondram-pony. 2Aoka reo navotan'i Yaveh hilaza izay, de izay navotany teo an-tanan'ny fahavalo.3 Nangoniny hatagny amin'ny tany hafa maro reo, de zay hatagny atsinanana sy hatagny andrefana, hatagny avaratsa sy hatagny atsimo.4irenireny tany an'efitsa teny amin'ny lalana hay reo ary tsa nahita tanàna hitoerana.5 Satria noana sady nangetaheta reo, de heniky ny faharerahana reo.6 De nikaika mafy an'i Yaveh tamin'ny andro fahoriany, ka namonjy andreo tamin'ny fahoriany I.7 Nitondra andreo tamin'ny lalana mahitsy I mba ahafahandreo mandeha any amin'ny tanàna zay hipetrahany.8Hidera an'i Yaveh anie reo ona nohon'ny famindram-pony sy reo raha soa aby nataony tamin'ny olombelogna!9 Fa nanome fahafaham-po ny faniriandreo zay nangetaheta I, ary ny faniriandreo noana de vokisany raha soa.10 Ny sasany mitoatsa agnaty aizina sy aloky ny fahafatesana, voagadram-pahoriana sy reo rojo vy.11Nisy izay satria nikomy nanohitsa ny tarogn'Andriamagnitsa reo ary nanary ny torolalan'ny Avo Indrindra. 12Nampietry ny fondreo tamin'ny raha sarotsa I. Tafintohina reo ary tsa nisy ona hanampy andreo hitraka.13 De nikaika an'i Yaveh tamin'ny fahoriany reo, ka nofinerin'i Yaveh hiala hatagny amin'ny fahoriany.14Nitondra andreo hivoaka ny maizina sy ny haizim-pito I ary novinakiny ny fatorandreo. 15Hidera an'i Yaveh anie reo ona reo nohon'ny famindram-pony sy reo raha mahagaga nataony ho an'ny olombelogna! 16Fa namotika ny vavahady varahina I ary nanapaka reo hidy vy.17Gegy reo tamin'ny fikomiana nataony ary ory noho reo helony. 18Very ny faniriany hihinana aby ny hanigna , ary niha-nanakaiky ny vavahadin'ny fahafatesana reo.19 De nikaika mafy an'i Yaveh reo tamin'ny fahoriany, de nitondra andreo hivoaka amin'ny fahoany I.20Nandefa ny tarogny I ka nanasitrana andreo, de novonjeny tamin'ny fahapotehiny reo.21 Ny ona anie hidera an'i Yaveh nohon'ny famindram-pony sy reo raha mahagaga nataony tamin'ny olombelogna! 22Aoka reo hanolotsa reo fanati-pisaorana ka hanambara ny asany lihibe amin'ny fihirana.23Zay miantsambo eny an-dranomasina sy manao raharaham-barotsa agny ampitan-dranomasina. 24Reo de nahita ny asan'i Yaveh sy ny fahagagany teny an-dranomasina.25Fa I ro mibaiko sy maniraka ny tafio-drovotsa zay mampisondrotsa ny ranomasina. 26Nanakatsa ny lagnitsa reny; ary nidigna tany amin'ny laligna. Ketraka ny fahoriana ny fiainandreo.27 Nisangodigna sady nivembena sahala reo mamolava reo de roso tagny amin'ny fahaverezan-tsaina.28Ary nikaika an'i Yaveh tamin'ny fahoriany reo, ka noferiny nivoaka tamin'ny fahoriany reo. 29Nampijanona ny tafio-drivotsa I, ary nampitony ny onjan-dranomasina. 30Ary de niravoravo reo satria nitony ny ranomasina, ary nitondra andreo ho eny amin'ny morony niriandreo I.31Ny ona anie hidera an'i Yaveh nohon'ny famindram-pony sy amin'ireo raha mahatalanjona nataony tamin'ny olombelogna!32 Aoka reo hanandratsa Anazy eo amin'ny fiangonan'ny ona ary hidera Anazy eo amin'ny filan-kevits'ireo loholona.33Mamadika reo ony ho efitsa I, loharano ho tany maina, 34ary tany mahavokatsa ho tany hay noho ny faharatsian'ny ona. 35Mamadika ny efitsa ho farihin-drano I ary tany maina ho loharano maro.36Atoatsany any zay noana, ary hanorina tanàna hitoerana reo. 37Hanorina tanàna hisy saha reo, ho atao tanim-boaloboka, ary hamokatsa be.38 Hitahy reo I ka ho maro an'iza izay. Tsa avelany hihavitsy ny biby fiompiny.39Fa nihena sy nietry reo nohon'ny fahoriana maharary sy hirifiry.40 Mandraraka fanamavoana amin'ireo mpitarika I ary mampirenireny andreo any an'efitsa, zay tsa misy lalana.41Fa miaro reo mahantra nohon'ny fahoriana koa I ary miahy reo fianakaviany sahala ny andian'ondry. 42Hahita zay ny ol-mahitsy ka ho faly, ary reo ratsy fagnahy aby manakombom-bava. 43Zay hendry de aoka handray an-tsoratsa zay raha hihevitsa reo asa famindram-pon'i Yaveh.Chapter 108
1Tonon-kira, salamo natan'i Daviva. Tafatoetsa ny foko, Andriamagnitsa o; hihira aho, eka, hihira fiderana amin'ny foko ravoravo koa aho. 2Mifohaza, ry valiha sy lokanga; hifoha vao mangiran-dratsy aho.3Hisaotsa Agnao aho, ry Yaveh, eny amin'ny ona aby; hihira fiderana ho Agnao aho eny amin'ny firenena aby.4 Fa ny famindram-ponao de lihibe abonin'ny lagnitsa ary mipaka eny amin'ireo habakabaka ny fahamendreham-pitokianao.5Misandràta, Andriamagnitsa o, any ambonin'ny lagnitsa, ary aoka ny voninahitsao hisandratsa manerana ny tany aby. 6Mba ho voavonjy reo malalanao, vonjeo amin'ny tanana ankavananao aho ka valio.7Nitarogna tamin'ny fahamasinany Andriamagnitsa ka nanao hoe: "Hifaly aho ary hizara an'i Sekema; ary hizara ny Lohasahan'i Sokota. 8Anahy i Gileada, ary anahy i manase, arolohako koa i Efraima; tehim-panjakako i Joda.9Tavindrano fanasako i Moaba eo amin'i Edoma ro hanipazako ny kapako; hihiaka fandesena Aho noho i Filistia. 10Ia ro hitondra Anahy any amin'ny tanàna matanjaka? Ia ro hitarika Anahy ho any Edoma?"11Andriamagnitsa o, tsa efa nanary agnay ve Agnao? Tsa hivoaka amin'ny ady miaraka amin'ny tafikay Agnao. 12Meo fanampiana agnay hanohitsa ny fahavalo, fa zava-poagna ny fanampian'ny ona.13 Miaraka amin'ny fanampian'Andriamagnitsa ro haharesentsika; hanitsahany reo fahavalontsika.Chapter 109
1Ho an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'i Davida. Andriamagnitsa zay deraiko o, aza mangina, 2fa mamely anahy ny ratsy fagnahy sy mpamitaka; milaza lainga manohitsa anahy reo.3 Manodidigna anahy reo ka mitarogna raha fankahalana, ary mamely anahy fahatany reo.4Endrikendrika ro nataondreo ho setrin'ny fitiavako, fa iaho nefa mivavaka ho andreo. 5Novaliandreo ratsy ny soa nataoko, ary halany ny fitiavako.6Manendre liaka ratsy fagnahy mba ho fahavalo sahala ireny ona ireny; manendre mpiapanga hitsangana eo an-tanany an-kavanana.7 Sý notsaraina I de aoka ho meloka, ary aoka ny fivavahany hoeritseretina ho fahotana.8Avilao ho fohy ny androny;ary aoka ho hazan'ona hafa ny anjara asany.9 Avilao ny zanany ho kamboty ray, de avilao ny vadiny ho mpitondrategna. 10Aoka ny zanany hirenireny sy hitalaho, hangataka hanina sy mamela ny fonegnany ho Rota reo.11Aoka ho alain'ny tompon-trosa ze anazy; de avilao ny vahiny handroba ze hazany. 12Aoka tsa hisy leko raika hagnatoro hatsaram-panahy aminazy; avilao tsa hisy hanaraka ny zanany kamboty. 13Aoka ho ringana ny zanany; ary aoka ny agnarany ho vonona tsa ho amin'ny taranaka fara mandimby.14Aoka ho lazaina amin'i Yaveh ny heloky my razany; de aoka tsa ho hadinoana ny heloky ny reniny. 15Aoka ho eo agnatrehan'i Yaveh mandrakariva ny hadisoan-dreo; avilao hofoagnan'i Yaveh amin'ny tany ny fahatsiarovana andreo.16 Avilao hataon'i Yaveh zey satria io lihilahy io moko nde tsa mba namindra fo, fa nampijaly ny ory, sy ny kivy fo amin'ny fahafatesana.17Tè ozogna i; hanody anazy zey. Halany ny fitahiana; apitraho tsa hisy fitahiana ho avy aminazy. 18Mampitafy tegna amin'ny ozogna salan'ny akanjony i, ary fagnoizognana ro mipàka agny agnatiny salamin'ny rano,salamin'ny diloilo agnaty takany ao.19Aoka ny ozogna ho tahaka ny fitafiana zey handrakofana ny tegnany, salamin'ny fehikibo anaovany mandrakariva. 20Aoka ho valisoa ho an'reo mpiampanga avy amin'i Yaveh, ho an'ze mitarogna ratsy aminahy.21Yaveh Tompoko o, manaova amin-katsaram-pagnahy aminahy noho ny amin'ny agnaranao. Satria soa ny famindram-ponao, vonjeo aho. 22Fa ory sy mahantra aho, ery ny foko de voaratsa agnatiko ao. 23Mihegna tahaka ny aloky ny hariva aho; ary nahitsagna salan'ny valala.24Rokaka ny fifadian-kanina ny lohaliko; manjary taolagna mifogno hoditsa aho.25 Ataon'ny mpiampanga anahy ho tsinotsinona aho; sy mahita anahy i de mihifikifi-doha.26Ampio aho, Yaveh Andriamagnitso; vonjeo amin'ny famindram-ponao aho. 27Ary aoka ho fantan-dreo fa zay ro asanao, zay Agnao, Yaveh, ro nanao an'zay28Leko magnozogna anahy aza reo, de mba tahio roa aho; lehe mamely reo; aoka ho megnatsa, fa ny mpanomponao hifaly. 29Aoka hitafy hegnatsa reo fahavaloko; aoka hiakanjo ny fahamegnarany ho tahaka ny tohitegna reo.30Amin'ny vavako ro hanolorako fisaorana lihibe ho an'i Yaveh; hidera Anazy eo ampovoan'ona aho. 31Fa mitsangagna eo an-tagnana ankavagnan'ny malahelo I, mba hamonjy anazy amin'ny ze mitsara anazy.Chapter 11
1o an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'i Davida. Amin'i Yaveh aho ro mialoka; akory ny hitarognanao aminahy hoa: " Milifà agny an-tendrombohitsa dekoa vorogna?"2 Fa itito! Magnamboatsa ny zana-tsipìkany reo mba hitifirana ny mahitsy fo agnaty aizigna.3Fa lehe rava reo fagnorenana , ina ro azon'ny marina atao? 4Yaveh de ao amin'ny tempoly masina; mijery ny masony, madinika ny zanak'olombelogna ny masony5Samy dinihin'i Yaveh aby na ny ona marina na ny ratsy fagnahy,fa I de tsa tea reo te herisetra.6 Hanotraka vain'afo mahamay sy silifara amin'reo ratsy fagnahy I; rivo-mandoro ro ho anjara kapoakany!7 Fa marina Yaveh, ery te fahamarinana I; ny mahintsy ro hahita ny tavany.Chapter 110Salamo nataon'i Davida.
1Hoy Yaveh amin'ny tompoko:"Mitoatsa eto an-tagnako ankavagnana ambara-panaoko reo fahavalonao ho fitoera-tongotsao."2Hamoaka ny tehim-panjakan'ny herinao hatao Ziona Yaveh; ro mandidia eo amireo fahavalonao. 3Hagnara-dia anao an-kalalahana ny vahoakanao agnatin'reo akajo masina amin'ny andron'ny fahefanao; ateraka amin'ny mangiran-dratsy salan'ny ando ho anao ny zatovonao.4Yaveh efa nianiagna, sady tsa hiova hoe: "mpisorogna ho Anahy mandrakizay agnao, araka ny fanaon'i Melkiezedeka."5Eo an-tagnanao ankavagnana ny Tompo. Hamono reo mpanjaka I amin'ny androm-pahatezerany. 6Hitsara zn'ireo firenena reo I; hofinoany faty ny tany fiadiana; sady hovonoany reo mpitondra agny amireo firenem- be reo.7Hisaotsa amin'ny lohasahan-driaka agn- an-dalagna agny I, sady hagnatraka avo ny lohany afaran'ny fandresena I.Chapter 111
1Miderà an'i Yaveh. Hanolotsa fisaorana ho an'i Yaveh amin'ny foko manotolo aho ao amin'ny fiangona-dreo. 2Lihibe reo asan'Andriamagnitsa, nandrazan'ny ze nagniry ananazy reo tamim-paharisihana. 3Malaza sy be voninahitsa ny asany, sady ny fahamarinany maharitsa mandrakizay.4Manao raha soa ze hotsaroana I; mpamindra fo sy miantra Yaveh. 5Magnome hanina ho an'ze mpagnaraka Anazy I. Hampatsiahy ny fagnekeny mandrakariva I. 6Nagnatoro tamin'y onany reo asa maheriny tamin'ny fagnomezany an-dreo ny lovan'ny firenena reo.7Mendri-pitokiana sy mahintsy reo asan'ny tagnany; azo antoka aby reo fampianarany aby manotolo. 8Mitoatsa mandrakizay zey, mba hitandremana amim-pitokiana sy amin'ny tokony ho i. 9Nagnome fandresena ho an'ny onany I; nampisy ny fagnekeny mandrakizay; masina sy mahazendagna ny agnarany.10Ny fagnomezam-boninahitsa an'i Yaveh ro fiadagnam-pahindrena; reo ze magnatanteraka ny fitsipiny ro managna ny fahazavan-tsaigna soa. Maharitsa mandrakizay ny fiderana Anazy.Chapter 112
1Tretrika ze ona mankatò an'i Yaveh, ze mankasitraka fatratsa reo didiny. 2Reo taranany hahery egny amin'ny tany; reo taranaky ny lihilahy ho voatahy.3Harena be ro an-dragnonao ao; ny fahamarinany haharitsa mandrakizay. 4Magnazava ao aminny mezigna ho an'ona masina ny hazavana; miantra I, mpamindra fo, sy mahintsy. 5Tretrika ny ona ze magnatoro amim-piantrana sy mampisam-bola, ze mitondra ny raharahany amin'ny fahatsoram-po.6Fa tsa hangozohozo mihintsy i; ny ona-maroina dew ho tsaroany mandrakizay.7 Tsa hatahotsa ny vaovao ratsy i; satria matoky, matoky amin'i Yaveh.8Milamigna ny fony, tsa misy tahotsa, mandra-pijireny amim-pandrisena reo fahavalony. 9Magnome amim-pahalalan-tagnana reo mahantra i; ny fahamarinany haharitsa mandrakizay; hasandratsa amim-boninahitsa i.10Reo ona ratsy fagnahy hahita an'zay de hasiaka; hihidy vazagna i ro ho levogna; ho maty ny fagnirian'ny ona ratsy fagnahy.Chapter 113
1Miderà an'i Yaveh. Miderà Anazy, agnareo mpanompon'i Yaveh; derao ny agnaran'i Yaveh. 2Isaorana anie ny agnaran'i Yaveh, izizao ka ho mandrakizay mandrakizay.3ataminy fiposahan'ny masoandro ka hatamin'ny fodiany, tokony hoderaina ny Agnaran'i Yaveh. 4Asandratsa ambonin'ny firenena aby manotolo Yaveh, sady voninahiny mipàka mihoatsa ny lagnitsa.5Ia ro salan'i Yaveh Andriamagnitsika, ze mitoatsa egny amin'ny avo, 6ze mijery mirorogna egny amin'ny lagnitsa sy ety an-tany?7Manandratsa ny mahantra hiala amin'ny loto I sadymanangagna reo fadiranovana amin'ny antontan-davenogna, 8mba hahafahany mametraka anazy miaraka amireo andrin'ny vahoakany.9Hagnome tragno fonegnana ho an'ny apela ,momba I, manao anazy ho renin-jaza falifaly I. Miderà an'i Yaveh!Chapter 114
1Sy namela an'i Egypta ny Israely, ny taranak'i Jakoba hatagny amizao vahoaka vahiny zao, 2de roso fitoerany masina i Joda, eko fanjakany i Israely.3Nijery ny ranomasina ko nilefa; nipody ny Jordana.4 Nifalihavanja salan'ny ondrilahy reo tendrombohitsa, reo havoagna nifalihavanja salan'ny zanak'ondry.5Nahoana ro nilefa agnao, ra ranomasina? Ry Jordana, nahoana agnao ro nipody? 6Ra tendrombohitsa, nahoana agnareo ro nifalihavanja salan'ny ondrilahy? Agnareo havoana kely, nahoana agnareo ro mifalihavanja salan'ny zanak'ondry?7 Mangivita, ra tany, manoloagna ny Tompo, amin'ny fagnatrehan'ny Andriamagnits'i Jakoba.Mamadika ny vatolampy ho dobon-drano I, ny vatolampy mahery ho loharano.Chapter 115
1Tsa ho anay, roa Yaveh, tsa hoa anay, fa ho an'ny agnaranao ro hagnateram-boninahitsa, fa ho an'ny fagnekenao mahatoky sy ho an'ny fahamendreham-pitokianao. 2Nahoana ro mitarogna reo firenena reo hoe:" Aia ny Andriamagnin-dreo?"3Ny Andriamagnitsay agny an-dagnitsa agny, manao ze tiany atao aby. 4Volafotsy sy volamena reo sampin'ny firenena, asan-tagnan'ona.5Manam-bava reo sampy reo, fa tsa mitarogna; mana-maso reo fa tsa mahita; 6manan-tsofigna reo, fa tsa mandre; managn'orognareo, fa tsa manimbolo.7Reo sampy reo manan-tagnana, fa tsa mahatsapa; manan-tongotsa reo, fa tsa mandeha; leko de ny mitarogna amin'ny vavany aza.8 Reo ze nanao anazy de mitovy aminazy, salan'zay aby mitoky aminazy.9Israely o, matokia an'i Yaveh; I ro famonjenao sy ampinganao.10 Ry taranak'i Arona , matokia an'i Yaveh; I ro famonjenao sy ampinganao. 11Agnao ze magnome voninahitsa an'i Yaveh, matokia Anazy; I ro famonjenao sy ampinganao.12Mahatsiaro atsika Yaveh ko hitahy; hitahy ny taranak'Israely I; sady hitahy ny taranak'i Arona. 13Hitahy ze magnome voninahitsa Anazy I; leko tanora leko atitsa. 14Avilao Yaveh hampitombo isa anareo hiany, ny anao sy ny taranakao.15Yaveh ze nanao ny lagnitsa sy ny tany anie hitahy anao. 16An'i Yaveh ny lagnitsa; fa ny tany nomeny ho an'ny olombelogna.17Ny maty tsa mba midera an'i Yaveh, leko ze mirorogna agny amin'ny mangingina tsa manao an'zay; 18fa hisaotsa an'i Yaveh agnay androany ko ho mandrakizay. Miderà an'i Yaveh.Chapter 116
1Tiàko Yaveh satria mandrè ny feoko sy reo tapahiko ho amin'ny famindram-po I. 2Satria niheno anahy I, hangaika Anazy aho lehe vona velogna hiany.3Nandrohy anahy reo tadin'ny fahafatesana, sady ny fandriky ny fianan-tsy hita de nagnatrika anahy, nahatsiaro fangirifiriana sy alahelo aho. 4De nangaika ny agnaran'i Yaveh aho nanao hoe:" Miangavy roa Yaveh, avoto ny aiko."5Yaveh de be famindram-po sady tsa mitagnila; ny Andriamagnitsika de be fangoraham-po. 6Yaveh de miaro ny bado; nambaniana aho, de namonjy anahy I.7Afaka mipody agny amin'ny fotsaharana ny fagnahiko, satria Yaveh efa nanao soa taminahy. 8Fa Agnao nagnavotsa ny aiko tamin'ny fahafatesana, ny masoko tamin'ny ranomaso, sady ny tongoko tsa ho totoitsa.9Hanompo an'i Yaveh agny amin'ny tanin'ny velogna aho. 10Nino Anzay iaho,leko nitarogna aza aho hoe: " Tena ory aho." 11Nitarogna tsa amim-piheverana aho hoe:" Mpandenga aby ny ona."12Akory ro hafahako magnefa an'i Yaveh ny hatsaram-pagnahiny aby taminahy? 13Hatsangako ny kapoaky ny famonjena, sady angehiko ny agnaran'i Yaveh. 14Ho tanterahiko reo voadiko nataoko tamin'i Yaveh teo agnatrehan'ny vahoakany aby. 15Sarobidy teo imason'i Yaveh ny fahafatesan'reo ona masiny.16Eka tokoa, roa Yaveh, mpanomponao aho; mpanomponao aho; zanaka lahin'ny mpanompo vavinao; nalainao reo rohiko. 17Hanolotsa ny sorom-pisaorana ho Anao aho sady hangaika ny agnaran'i Yaveh.18Ho tanterahiko reo voadiko tamin'i Yaveh teo agnatrehan'ny vahoakany aby, 19tan-drindrin'ny tragnon'i Yaveh, teo aminao, roa Jerosalema. Derao Yaveh.Chapter 117
1iderà,aby agnareo firenena; asandrato I, agnareo vahoaka aby.2 Satria ny famindram-pony de lihibe eo agnatrehatsika, sady maharitsa mandrakizay ny fahamendreham-pitokian'i Yaveh. Derao i Yaveh.Chapter 118
1Misaora an'i Yaveh, fa mendrika I, fa maharitsa mandrakizay ny famindram-pony. 2Aoka ny Israely hitarogna hoa:" Maharitsa mandrakizay ny famindram-pony."3Apitraho ny taranak'i Arona hilaza hoe: " Ny fagnekeny mahatoky de maharitsa mandrakizay," 4avilao reo mpanompo an'i Yaveh hilaza hoe:" Maharitsa mandrakizay ny famindram-pony."5Tagnatin'ny fahoriako ro nangehako an'i Yaveh; namaly anahy Yaveh sady nagnafaka anahy. 6Momba anahy Yaveh: tsa hatahotsa aho; ina moa ro hataon'ona aminahy? 7Mpamonjy eo agnilako Yaveh; hahita fandresena amireo ze mankahala anahy iaho.8Soa lavitsa ny mialoka amin'i Yaveh noho zay mametraka fitokiana amin'olombelogna. 9Soa lavitsa ny mitoatsa ao amin'i Yaveh noho zay mametraka fitokiana amin'ny andrian-dahy.10Ny firenena magnodidigna anahy aby; ho tapahiko amin'ny agnaran'i Yaveh reo. 11Nagnodidigna anahy reo; eka, nagnodidigna anahy reo; ho tapahiko amin'i agnaran'i Yaveh reo.12 Nagnodidigna anahy salan'ny tantely reo; nanjavogna malaky salan'ny afo teo amin'ny tsilo reo; ho tapahiko amin'ny agnaran'i Yaveh reo.13Nanafika anahy reo mba handavo anahy, feny nagnampy anahy i Yaveh.14 Yaveh ro heriko sy hafaleako, sady I ro tokagna mpagnavotsa anahy.15Tainò so amin'ny lalin'ny fahamarinana ny hiakam-pifalian'ny fandresena;nandresy ny tanan-kavagnan'i Yaveh. 16Asandratra ny tagnan-kavagnan'i Yaveh; mandresy ny tagna-kavagnan'i Yaveh.17Tsa ho maty aho, fa velogna de hilaza reo asan'i Yaveh. 18Efa sinazin'i Yaveh mihintsy iaho; feny tsa nanolotsa anahy ho maty I.19Vohao ho anahy ny vavahadin'ny fahamarinana; hitsofoka ao aho sady hisaotsa an'i Yaveh. 20'Zay ro vavahadin'i Yaveh; ny ona marina ro mitsofoka ao. 21 Hisaotsa Anao aho,satria namaly anahy Agnao, de roso famonjena ho anahy Agnao.22Ny vato ze nolavin'ny mpanao tragno roso vato fehizoro. 23Zay ro nataon'i Yaveh; mahazendagna imasotsika zay.24'Ty ny andro nataon'i Yaveh; hifaly sy ho ravoravo amizay tsika. 25Miangavy roa Yaveh, omeo fandresena agnay! Miangavy roa Yaveh, omeo fahombiazana agnay!26Ho tahiana ze avy amin'ny agnaran'i Yaveh;ao an-dragnon'i Yaveh ro hitsofanay rano anao . 27Yaveh ro Andriamagnitsa, sady efa nagnome fahazavana ho anay I; narohiny tamireo tady teo amireo tandroky ny alitara ny sorogna.28 Agnao ro Andriamagnitso, ka hisaotsa Anao aho; Agnao ro Andriamagnitso; hanandratsa Anao aho.29Eka, misaora an'i Yaveh, fa mendrika I; sady maharitsa mandrakizay ny famindram-pony.Chapter 119
1ALEFA. Tretrika ze tsa misy tsigny ny lalany, de ze mandeha amin'ny lalàn'i Yaveh. 2Tretrika reo ze mitandrigna ny didy masiny, ze mitadia Anazy amin'ny fony manotolo.3Tsa mba manao ratsy reo; fa mandeha amin'ny lalany. 4Dinidinao agnay hitagna ny fampianaranao mba hitandremanay soa an'izay.5Indriaho e, te ho tafatoatsa amin'ny didinao iaho!6 De tsa ho megnatsa iaho lehe misagna aby ny didinao.7Hanolotsa fisaorana ho Anao amin'ny fo mahitsy iaho sy mianatsa ny lalà-marinao. 8Hitandrigna ny didinao iaho; aza mamela anahy ho irery. BETA.9Akory ro hitandreman'ny tanora ny lalany mba hadio? Amin'ny fankatoavana ze tarogninao. 10Amin'ny foko manotolo ro hitadiavako Anao; aza mamela anahy hania hiala amin'ny didinao.101Niaro ny tongoko hiala amin'ny lalan-dratsy aby iaho mba hitandremako ny teninao. 102Tsa niholaka lalagna niala tamin'ny lala-marinao iaho, fa Agnao ro nampianatsa anahy.103Endriaho ny hamamin'ny teninao sy nandramako,aka, mamy mihoatsa ny tantely amin'ny vavako! 104Amin'ny fampianaranao ro ahazahoako fahaiza-magnavaka; noho zey de halako aby ny lalan-diso. NONA.105Fanilo ho an'ny tongoko eko jiro ho an'ny lalako ny teninao. 106Efa nianiagna iaho ery nohamafisiko zey, fa hitandrigna ny lala-marinao aho.107Tena ory tokoa 'iaho; velomy iaho, ry Yaveh, araka ze nampagnatignanao tamin'ny teninao.108 Yaveh o, mba ikeo roa ny fagnati-tsitrapo hatamin'ny vavako, ery ampianaro ny lala-marinao aho.109Eo an-tagnako lalandava ny aiko, nefa tsa mba magnadigno ny lalanao aho.110 Nanao vela-pandrika ho anahy ny ratsy fagnahy, fa tsa naniasia hiala amin'ny fampianaranao aho.11Narekitso ato am-poko ny raha tarogninao mba tsa hanotako aminao.12 Deraina Agnao, ra Yaveh; ampianaro ny didinao iaho.111Tarogniko ho lovako mandrakizay ny didim-pagnikenao.112 Tafatoatsa amin'ny fanaovana ny didinao mandrakizay hatamin'ny farany indrindra ny foko. SAMEKA.113halako ny miroaroa-saigna, fa tiàko by lalànao. 114Agnao ro toerana fisitrihako sy ampingako;miandry ny teninao aho.115Mialà aminahy agnareo mpanao ratsy, mba hitandremako ny didin'Andriamagnitso. 116Tohagno amin'ny alalan'ny teninao aho mba ho velogna ko tsa ho megnatsa amin'ny fagnatignako.117Tohagno aho ,de hiadagna; hisaintsaigna ny lalànao hiany iaho.118 Lavinao aby ze maniasia miala amin'ny diidinao, fa mpamitaka sady tsa azo itokiana reo ona reo.119Alaonao salan'ny tain-drendrika aby ny ratsy fagnahin'ny tany; noho izey de tiako ny didy masinao. 120Mangovongovitsa ny tahotsa Anao ny vatako, eko matahotsa ny lala-masinao iaho. AINA.121Manao ze rariny sy marina aho; aza mahafoy anahy ho agny amin'ny mpampahory anahy. 122Omeo atoka ny fanambinan'ny mpanomponao; aza avela hampahory anahy ny mpirehareha.123Miha-rokaka ny masoko eo ampiandrasana ny famonjenao sy ny tarogna marinao.124 Atorò ny mpanomponao ny fagnekena mahatokinao, eko ampianaro ny didinao aho.125Mpanomponao aho,omeo fahazavan-tsaigna aho mba hahalalako ny didim-pagnikenao. 126Fotoagna hiasan'Yaveh zao, fa nandika ny lalànao ny ona.127Tiako mihoatsa noho ny volamena ny didinao,mihoatsa noho ny volamena soa indrindra.128 Noho zay de magnaraka soa aby ny fampianaranao aho, eko halako aby nu lalam-pitaka. PE.129Mahazendagna ny fitsipikao, zay ro antony hankatoavako an'reo.130 Ny fampiharihariana ny tarognanao ro magnome fahazavana ; magnome fahazavan-tsaigna ho an'ze tsa nampianarina an'zey.13Tamin'ny vavako ro nitopriako ny lalà-marina aby manotolo ze nataonao.14 Miravoravoa amin'ny lalan'ny didim-pagnikenao mihoatsa ny amin'ny harena aby iaho131Vohako ny vavako ko misagnasagna, fa magniry ny didinao mihintsy iaho.132 Mihireha aminahy eko mamindrà fo aminahy, araka ny ataonao amin'ze tea ny agnaranao hiany.133Ampizoro amin'ny teninao ny tongoko; aza avela hisy fahotana hanapaka anahy. 134 Avoto amin'ny fampahorian'ny olombelogna aho mba hitandremako ny fampianaranao.135Oka hamirampiratsa amin'ny mpanomponao ny tavanao, eko ampianaro anahy ny didinao.136 Ranomaso be ro miraradraraka amin'ny masoko satria mitandrigna ny lalànao ny ona. TSADE.137Marina Agnao, Yaveh, eko rariny ny didinao. 138Nagnome am-pahamarinana sy am-pahatokiana ny didim-pagnikenao.139Nandravarava anahy ny fahasosorana satria magnadigno nyy taronao ny mpifagnandrigna aminahy. 140Efa voazaha-toetsa soa ny teninao, eko tian'ny mpanomponao zey.141Tsa de misy dikany iaho sady nohamavoana, nefa tsa mba magnadigno ny fampianaranao aho. 142Marina mandrakizay ny fitsaranao, eko mendri-pitokiana ny lalànao.143Leko de nahazo anahy aza ny fahoriana sy ny fangnirifiriana, de vona mamiko hiany ny didinao. 144Marina mandrakizay ny didim-pagnikenao;omeo fahazavan-tsaigna aho mba ho velogna. KOFA.145Nihiakiaka tamin'ny foko manotolo aho hoe: "Valeo aho,ro Yaveh, de hitagna ny lalànao.146 Mangaika Anao aho ; vonjeo aho, de hitandrigna ny didim-pagnikenao."147Mifoha mialohan'ny mangiran-dratsy iaho eko nila famonjena. Ao amin'ny teninao ny fagnatignako. 148Mihiratsa alohan'ny fiovan'ny fiambenan'ny aligna ny masoko hisaitsaignako ny teninao.149Mandrinesa ny feoko amin'ny fagnikena mahatokinao; vilomy iaho, ra Yaveh, araka ny nampagnatignainao tao amin'ny lalà-marinao.150 Miha-mandriny anahy ze mandoditsa anahy, feny lavitsy ny lalànao reo.15Hisaitsaigna ny fampianaranao aho ko hitandragna ny lalanao. 16Akamamiako ny didinao; tsa hagnadigno ny teninao iaho. GIMELA.151Mariny Agnao, ra Yaveh, ery azo itokoana aby manotolo ny didinao.152 Nianatsa ny didi-pagnikenao ze napetrakao tamin'ny toerany mandrakizay hatry ny ela be aho. RESY.153Jireo ny fahoriako ko vonjeo aho,, fa tsa mba magnadigno ny lalànao aho.154 Misoloa vava anahy ko avoto aho; tano aho,arak'ze nampagnatignanao tamin'ny teninao.155Lavitsa ny ratsy fagnahy ny famonjena, fa tsa te ny didinao reo.156 Lihibe ny famindram-ponao, ra Yavah o; vilomy iaho, araka ny ataonao mandrakariva.157Be ny mpandoditsa anahy sy ny fahavaloko, nefa tsa niala tamin'ny didim-pagnikenao iaho.158 Mafandriandriagna ny fijireko ny mpamadika satria mitandrigna ny teninao reo159Hendriahoe ny fitiavako ny fapianaranao; vilomy iaho, ra Yaveh, araka ny nampanantinianao tamin'ny fanekena mahatokinao. 160Fahamarinana ro loharanon'ny teninao; maharitsa mandrakizay ny lalà-marinao tsirairay. SINA161Mandonditsa tsy ahoan-tsy ahoana reo andriana;de mangorohoro ny foko,matahotsa ny tsa hanoa ny taronao. 162 Falifaly amin'ny tarognanao dekoa ogna raika mahazo babo lehibe.163Tsa tiako sady hamavoako ny fitaka, fa tiako ny lalànao.164 Impito isan'andro ro hiderarako Anao nohon'ny lalà-marinao.165Fiadagnana lihibe ro hanan-dreo ze te ny lalàna; tsa misy mahatafitohigna an-dreo.166 Miandry ny famonjenaoiaho,ra Yaveh, eko manoa ny didinao.167Mitandrigna ny didy masinao aho, eko tiako mihintsy reo.168 Mitagna ny fampianaranao sy ny didy masinao aho, fa fantatsao aby ze ataoko. TAV.169Mihinoa ny kaika ataoko, ra Yaveh; omeo fahazavan-tsaigna ao amin'ny tarognanao aho. 170Ho avy eo aminao anie ny fangatahako; apeo aho, araka ny efa ny nampagnatignanao tamin'ny taronao.17Atorò ny mpanomponao halimem-pagnahy mba hahavelomako sy hitandremako ny tenineo. 18Ampahirato ny masoko mba hahitako reo raha mahazendagna amin'ny lalànao171Hiboiboika fiderana ny somiko,fa ampianarinao anahy ny didinao. 172Oka ny lelako hihira ny amin'ny teninao, fa marina aby ny didinao manotolo.173Hgnampy anahy anie ny tagnanao, fa nifidy ny fampianaranao aho.174 Magniry ny fagnavotanao mihintsy iaho, ra Yaveh, eko ny lalanao ro mamiko.175Ho velogna anie iaho ko hidera anao, eko hagnampy anahy ny lala-marinao. 176Efa nirenireny dekoa ondry very iaho; tadiavo ny mpanomponao, fa tsa mba nagnadigno ny didinao aho.19Vahiny iaho eto an-tany; aza manitrika ny didinao hiala aminahy. 20Torotoro fatratsa ny fitadiavana ny hahalala ny fitsipikao mandrakariva ro fagniriako.21Magnanatsa ny mpirehareha, de ze ona voaozogna,ka miolaka amin'ny didinao Agnao.22 Alao amin'ny fahafam-baraka sy ny hegnatsa iaho, fa nanoa ny fitsipi-pagnikenao iaho.23Leko de manao ny teti-dratsy ko magnendrikendrika anahy aza reo mpanampaka , de misaitsaigna ny ny fitsipikao ny mpanomponao. 24Ny didi-pagnekenao ro mamiko indrindra ,eko ro mpanolo-tsaigna anahy. DALETA.25Mirekitsa amin'ny vovoka ny aiko! Omeo fiaignana amin'ny teninao iaho.26 Notarogniko taminao ny lalako, de namaly anahy Agnao; ampianaro ny didinao aho.27Ataovo mahatakatsa ny lalan'ny fampianaranao iaho, mba hahafahako mandinika ny fampianara-mahagaganao.28 Difotsy ny alahelo iaho! Atanjaho amin'ny teninao iaho.29Alao hiala aminahy ny lalan'ny fitaka; ampianaro anahy am-pahasoavana ny lalànao.30 Nofinidiko ny lalan'ny fahatokiana; efa nitandrina ny lalà-marinao teo anatrehako lalandava iaho31Ny didi-pagnikenao ro ho tanako,Yaveh o,aza avela hangahiahy iaho.32 Hande mafy eo amin'ny lalan'ny didinao aho,fa agnao ro magnitatsa ny foko hanao anizay.HE33Apenaro ny lalan'ny didinao aho,ry Yaveh ,dia ho tandremako hatramin'ny farany zay.34 Omeo saigna mazava aho,de hitandrigna ny lalànao;zay ro hisaitsaignako amin'ny foko aby.35tariho amin'ny lalàn'ny didinao aho,fa mamiko ny mandeha amizay.36 Ampandihano amin'ny didi-pagnikenao ny foko de ho lavitsy ny harena tsa marina.37Atodio ny masoko tsa hahita raha foagna ;vilombilomy amin'ny lalànao indray aho.38 Tantiraho amin'ny mpanomponao ny fampagnantigniana ze nataonao tami zay nagnaja Anao.39Alao lavitsa ahy ny faniratsirana fa tena atahorako mafy.Fa soa ny fitsarana marinao.40 Indro tena nagniry mafy ny fampenaranao aho,vilombilomy amin'ny fahamarinanao iaho.VAO.41Yaveh o,omeo ahy ny fitiavanao tsa mety levona__ny famonjenao,araka ny fampagnatignianao;42 de ho voavaliko ilay iray zay nagnamavo ahy,fa ny tarognao ro hitokiako.43Aza esorina amin'ny vavako ny tarony fahamarinana,fefa niandry ny lalà-marinao aho.44 Hitandrina ny lalànao hatrany aho,mandrakizay doria.45Handeha ampilamignana aho,fa mitadia ny fampenaranao.46 Hitarona momba ny didy masinao eo anatrehan'ireo mpanjaka iaho ka tsa ba ho menatsa.47Mamiko ny didinao,ze hajaiko fatratsa.48 Hanandratsa ny tagnako amin'ny didinao zay tiako;hisaintsaina ny lalànao iaho.ZAINA.49Tsarovy ny fampagnatignianao tamin'ny mpanomponao satria namenao fagnatigniana iaho.50 Izao ro fiononana ho ahy amin'ny fahoriako;ny fampagnatignianao ro mbola nahavelogna ahy.51Nagnesoeso ahy ny mpirehareha,kanefa iaho tsa ba niala tamin'ny lalànao iaho.52 Nieritseritra momba ny lalà-marinao fahizay aho,ry Yaveh,ka mampahery ny tegnako.53Nitagna anahy ny fahatizerana mahamay nohon'ny ratsy fagnahy zay mandà ny lalànao.54 Ireo didnao ro hirako tao amin'ny trano zay hitoerako vetivety foagna.55Misaintsaigna ny Agnaranao mandritsy ny aligna iaho, ry Yaveh , de mitandrigna ny ny lalànao.56 Izay ro fataoko satria nitandrigna ny fampianarano iaho. HETA.57Yaveh ro anjarako; efa niniaviko ny hitandrigna ny raha notarogninao.58 Mitadia fatratsa ny sitrakao amin'ny foko manotolo iaho; miantrà anahy, araka ny nampagnatignain'ny teninao.59Nodinihiko ny lalako eko nagnolaka ny tongotso ho eo amin'ny didi-pagnikenao.60 Meka aho sady tsa mitaredretsa amin'ny fitandremana ny didinao.61Nanitogna anahy ny tadin'ny ratsy fagnahy; fa tsa nagnadigno ny lalànao aho. 62Amin'ny sasak'aligna ro hitsanganako hagnome fisaorana Anao nohon'ny lalànao marina63Naman'ze magnaja Anao iaho, de ze mitandrigna ny fampenaranao. 64Feno ny famindram-ponao ny tany ,Ry Yaveh ; ampianaro ny didinao iaho. TETA.65Ry Yaveh o, nasianao soa ny mpanomponao,tamin'ny alalan'ny taronao.66 Ampianaro anahy ny fahaiza-magnavaka soa sy ny fahazavan-tsaigna, fa efa ninoako ny didinao.67Talohan'ny nampahoriana anahy de naniasia iaho,fa zizao de mitandrigna ny teninao aho.68Tena soa sady mpanao soa Agnao, eko de Agnao rery ro manao ny soa; ampianaro ny didinao iaho.69Namandrika anahy tamin'ny lenga ny mpiavognavogna, feny mitandrigna ny fampianaranao amin'ny fokop manotolo iaho.70 Mihamahery ny fon-dreo, fa mamiko ny lalànao.71Soa hiany iaho nampijaliana mba hianarako ny didinao.72 Ny fampianarana hatamin'ny vavanao de sarobidy lavitsa mihoatsa ny volamena sy volafotsy an'arivony ho anahy. JODA.73Ny tagnanao ro nagnamboatsa sy namolavola anahy; omeo fahazavantsaigna iaho mba hianarako ny didinao.74 Reo ze magnaja Anao de ho faly sy mahita anahy satria de amin'ny tarognanao ro ahitako fagnatignana.77Asio fangorahana aminahy mba ho velogna aho, feny ny lalànao ro tiako.78 Aoka ho megnatsa ny mpirehareha, fa nendrikendrihin-dreo iaho ; fe iaho hisaintsaigna ny fampianaranao.79Hierika aminahy anie reo ze magnaja Anao; de ze mahafantatsa ny ny didim-pagnikenao. 80Tsa hisy tsigny ny foko nohon'ny lalana mba tsa ho megnatsa aho. KAFA.81Ketraketraky ny fiandrazana fatratsa ny hamonjenao anahy iaho! Eko amin'ny taronao ro hanagnako fagnatigniana.82 Magniry fatratsa ny hahita ny fampagnatignanao ny masoko; sy viana Agnao ro hampionona anahy?83Fa roso salan'ny sinin-divay hoditsa agnaty setroka iaho; fa tsa magnadigno ny lalànao iaho.84 Mandra-pahoviana ro hiaretan'ny mpanomponao an'zao; sy viana Agnao vo hitsara an'ny ze magnenjika anahy?85Nihady lavaka ho anahy ny mpirehareha, sady nanohitsa ny lalànao.86 Azo ianteherana aby manotolo ny didinao.;magnenjika anahy amin-tsa antony reo ona reo; apeo aho.87Efa seky nanapitsa ny aiko teto an-tany reo, feny tsa mahafoa ny fampianaranao iaho. 88Amin'ny fitiavanao tsa mivadika, vilomy iaho, mba hankatoavako ny didinao. LAMEDA.89Yaveh o, mitoatsa mandrakizay ny teninao; miorigna mandrakizay agnan- dagnitsa ny teninao. 90Maharitsa ho an'ny taranaka aby manotolo ny fahatokianao; Agnao ro nagnorigna ny tany ery mitoatsa zey.91Mitohy mandrak'androany ny raha aby, araky ze voalazanao amin'ny lala-marinao, fa mpanomponao ny raha aby. 92 Lehe ysa sitrako ny didinao de efa matin'ny fahoriako iaho tahak'izey.93Tsa ho adignoko mandrakizay ny fampianaranao, fa tamireo ro namilomanao anahy. 94Anao iaho; vonjeo iaho, fa mikatsaka ny fampianaranao.95Mivognona hamotika anahy ny ratsy fagnahy, fa hikatsaka ny didim-pagnikenao aho. 96Hitako fa misy fetra aby manotolo ny raha aby, fa midadasika, tsa misy fetra ny didinao. MEMA.97Endriaho ny fitiavako ny lalanao! Izey ro saintsaigniko tontolo andro.98 Mahendry anahy mihoatsa ny fahavaloko ny didinao, fa miaraka aminahy mandrakariva ny dididnao.99Managna fahazavan-tsaigna mihoatsa an'reo mpampianatsa anahy aby iaho, fa misaintsaigna ny didim-pagnikenao. 100 Mahatakatsa mihoatsan' reo be taogna noho iaho aho; satria nitandrigna ny fampianaranao iaho.Chapter 12
1Ho an'ny mpiventy hira; natao tamin'ny Al-hasheminith. Salamo nataon'i Davida. Vonjeo, ry Yaveh, fa tsa misy koa ny soa fagnahy; nanjavogna ny mahatoky.2Samy mitarotaro-poagna amin'ny mpiara-monigna amin'ny molotsa mandoka sy fo miroaroa ny ona aby.3 Yaveh o, aringano ny molotsa mpiatsaravelatsihy, ny lela aby samy hitarogna reo zava-marina.4 Reo de ze nitarogna hoe: "Ny lelanay ro hampandresy anay. Lehe mitarogna ny molotsay, ia ro afaka handidy eo aminay?"5Nohon'ny herisetra atao amin'ny ory, nohon'ny senton'ny mahantra, de hitsangagna Iaho," hoy i Yaveh. Hagnome filaminana ze irindreo fatratsa iaho."6Reo taron'Yaveh de tarogna madio, dekoa volafotsy voarendrika im-pito.7 Agnao ro Yaveh! Niaro andreo Agnao. Miaro ny ona soa fagnahy amizao taranaka ratsy fagnahy zao mandrakizay Agnao.8 Mandeha na aia na aia ny ratsy sy misandratsa amin'ny zanak'olombelogna ny ratsy.Chapter 120
1Hira fiakarana. Nangaika an'i Yaveh iaho tagnatin'ny fahoriako, ko namaly anahy I. 2Avoto ny aiko, a Yaveh , amin'ny ze mandenga amin'ny sominy sy mandiso fagnatignana amin'ny lelany.3Akory ny fomba fagnasaziana anareo,eko ina ro vona hataony anareo, agnareo ze managna lela mpandenga?4 Ho saziany amin'ny zana-tsipìkan'ny mpiady norangitina tamin'ny vainafon'anjavidy agnareo.5Lozako fa nitoatsa vonjimeka tao Maseka iaho; taloha aho nitoatsa tamin'ny lain'ny Kedarita .6 Efa niaigna maharitsa niaraka tamireo ze mankahala filaminana iaho. 7Iaho de te filaminana, feny sy mitarogna aho,de hoamin'ny ady reo.Chapter 121
1Hira fiakarana. Hanopy ny masoko an-tendrombohitsa aho.Hataìa moa ny famonjena anahy?2 Ny famonjena anahy de hatamin'i Yaveh, ze nahary ny lagnitsa sy ny tany3I de tsa hamela ny tognotsao hiborisaka; I ze miaro anao de tsa ho remana. 4Itito, ny mpiandrin'Israely tsa mba rendrehana na matory mihintsy.5Yaveh ro mpiandry anao;Yaveh ro aloka ankavagnanao. 6Tsa hanimba anao ny masoandro sy atoandro,na ny volagna sy aligna.7Yaveh hiaro anao amin'ny loza , eko hiaro ny ainao aby I. 8Yavah hiaro anao amin'ny raha aby ataonao androany ko ho mandrakizay.Chapter 122
1Hira fiakarana, nataon'i Davida. Faly iaho sy nitarogna taminahy reo hoa: "Andao atsika ho ao an-dragnon'i Yaveh."2 Ra Jerosalema, ny tongonay de migadogna ato amin'ny vavahadinao! 3Ra Jerosalema , ze namboarina dekoa tanàna voalamina soa!4Reo fokon'i Yaveh nagnanika tagny Jerosalema, mba ho vavolombelogna ho an'Israely, hagnomezana fisaorana ny agnaran'i Yaveh. 5Natoatsa tagny reo seza fiandriagnan'ny fitsarana, seza fiandriagnan'ny tragnon'i Yaveh.6Mivavaha ho amin'ny fiadagnan'i Jerosalema! "Oka ze tianao hanagna fiadagnana. 7Oka hisy fiadagnana ao amireo manda ze miaro anao, eko reo hanagna fiadagnana ao amin'ny fiarovana mafinao."8Ho an'reo rahalahiko sy reo namako de hitarogna aho hoe: "Ho eo aminareo anie ny fiadagnana." 9Ho an'ny tragnon'i Yaveh Andriamagnitsika, de hitadia ny mahasoa anareo aho.Chapter 123
1Fihirana fiakarana. Aminao ro hanandratako ny masoko, Agnao ze mitoatsa amin'ny seza fiandrianana agny an-dagnitsa. 2Eto, lehe mijaha ny tagnan'ny tompony ny mason-dreompanompo lahy, lehe mijaha ny tagnan'ny tompovaviny ny mason-dreo mpanompo vavy, de mijaha an'i Yaveh Andriamagnitsika ny masotsika mandra-mpamindràny fo amitsika3Manàgna famindram-po aminay,Yaveh o, manàgna famindram-po aminay, fa feno fagnalam-baraka agnay. 4Mihoatsa lavitsa noho ny feno ny fagneson'ny mpagnivaiva sy ny fagnamavoan'ny mpirehareha agnayChapter 124
1Fihirana fiakarana; nataon'i Davida. " Lehe tsa teo agnilatsika i Yaveh," de oka Israely hitarogna hoe:2 "lehe tsa Yaveh ro teo agnilatsika sy nitsangagna nanohitsa atsika ny ona, 3de nihinagna atsika velogna reo sy nirehitsa tamitsika nyfahasosoran-dreo.4Mety efa finafan'ny rano atsika; eko nanafotsa atsika ny riaka.5 Sy ahateo ny rano misamboaravoara nahafaty atsika.6Isaorana anie Yaveh, zey namela atsika ho rembin'ny nifin-dreo. 7Efa afaka nilefa salan'ny vorogna teo amin'ny fabdriky ny mpihaza atsika; simba ny fandrika, eko afaka nilefa atsika.8Ao amin'i Yaveh , ze nahary ny lagnitsa sy ny tany ro famonjena atsika.Chapter 125
1Fihirana fiakarana. Reo ze matoky an'i Yaveh de salan'ny Tendrombohitsa Ziona, tsa azo hozongozognin, maharitsa mandrakizay.2 Salan'ny tendrombohitsa magnodidigna an'i Jerosalema, ro hiodidignan'i Yaveh ny vahoakany ankehitriny sy mandrakizay. 3Tsa tokony hanapaka ao amin'ny tanin'ny marina ny tehin'ny mpanao rarsy. Lehe tsa zey de mety hanao ratsy ny marina.4Manaova ny soa, amireo ze soa sy reo ze mahitsy am-po reo. 5Fa lehe ny amin'ny ze miala amin'ny lalan-dratsiny reo, de hitarika lavitsa an'reo mpanao ratsy Yaveh. Ho amin'Israely anie ny fiadagnana.Chapter 126
1Fihirana fiakarana.Lehe sy nagnapody ny haren'i Ziona i Yaveh, de koa magnonofy tsika.2Sy ahateo de feno hehy ny vavatsika ary feno hira ny lelatsika. De hoy reo tamireo firenena hoe: " Nanao raha lihibe ho an-dreo Yaveh." 3Nanao raha lihibe ho atsika Yaveh; hendriaho ny hafaleantsika!4Yaveh o, apodiano ny herinay, salamin'ny riaka ao Negeva. 5Reo ze mamafy am-pitomagniana de hijinja amin'ny hiakam-pifaliana.6 Ze mandeha mitagny, mitondra voa hafafy, de hipody amin'ny hikam-pifaliana ndraika, mitondra ny amboarany miaraka aminazy.Chapter 127
1Fihirana sy fiakarana, nataon'i Solomona. Lehe tsa Yaveh ro magnorigna ny tragno, de miasa foagna reo, ze magnorigna an'izay. Lehe tsa Yaveh ro miambigna ny tanàna, de mijoro miambigna foagna ny mpiambigna. 2Raha tsa mitihoka ho anareo ny mifoha maraigna, sy hody tara agny an-dragno, leko hihinagna ny mofon'ny asa mafy, satria Yaveh ro magnome ho an'ny malalany lehe matory reo.3Tito, lova hatamin'i Yaveh ny zanaka, arytambiny avy Aminazy ny vokatsy ny troka. 4Tahaka ny tsipìka egny an-tagnan'ny mpiady, de salamin'ny zay koa reo zanaky ny fahatanorana. 5Akory ny hasambaran'ny ona ze managna ny tragnon-jana-tsipìkany feno an'reo. Tsa ho megnatsa i sy miatrika ny fahavalony eo am-bavahady.Chapter 128Fihirana fiakarana.
1Tretrika aby ze magnome voninahitsa an'i Yaveh, ze mandeha amin'ny lalany. 2Ze omen'ny tagnanao, de akafizinao; ho tretrika sy hambinina agnao.3Ho salamin'ny voaloboka mamokatsa ao an-dragnonao ao ny vadinao; ho salamin'ny zanak'oliva reo zanakao lehe mitoatsa magnididigna ny latabatsao ireo.4 Eka, ho tretrika tokoa ny ona ze magnome voninahitsa an'i Yaveh. 5Hitahy anao hatao Ziona anie Yaveh; hahita ny fagnambignan'i Jerosalema mandritsy ny androm-piagnanao aby manotolo anie agnao. 6Ho velogna anie agnao mba hahita reo zafikelinao. Ho amin'Israely anie ny fiadagnana.Chapter 129Fihirana fiakarana.
1Aoka Israely hitarogna hoa:" Matetika hatamin'ny fahatanorako de nanafika anahy reo." 2"Matetika hatamin'ny fahatanorako de nanafika anahy reo, feny tsa nandresy anahy reo. 3Nihady ny lamosiko reo mpihady; nataon-dreo lava ny vavaasany.4Marina Yaveh; nanapaka ny tadin'ny ratsy I. 5"Aoka ho alam-baraka aby reo ary hipody, de reo ze mankahala an'i Ziona.6Ho salamin'ny ahitsa egny an-tampon-tragno ze malazo mialohan'ny hitomboan'ny zay anie reo, 7ze tsa afaka mameno ny tagnan'nympinjinja na ny tratran'ny ze mifehy amboara. 8Aoka reo ze mandalo tsa hitarogna hoe: "Avilao ho aminao ny tso-dranon'i Yaveh; mitso-drano anao amin'ny aagnaran'i Yaveh agnay."Chapter 13
1Ho an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'i Davida. Maharitsa hafirina, Yaveh o, ro hagnadinoanao ny momba anahy? Maharitsa hafiriana, ro hagnafenanao ny tavanao aminahy? 2Maharitsa hafiriana, ro tsa maintsy hatahorako sy hanagnako alahelo am-po isan'andro? Maharitsa hafiriana ro handrisen'ny fahavaloko anahy?3Jireo aho de valio, ry Yaveh Andriamagnitso! Omeo hazavana ny masoko, nge aho ho renoka ao amin'ny fahafatesana.4 Ny fahavaloko aza avela hitarogna hoe: "efa nandavo an'azy aho, mba tsy hahafahan'ny fahavaloko mitarogna hoe: efa nandresy teo amin'ny rafiko aho." Lehe tsa izay, de hifaly reo fahavaloko sy lavo iaho.5 Fa matoky ny famindram-ponao aho; mifaly amin'ny famonjena ny foko.6 Hihira ho an'i Yaveh aho satria tena nalala tagnana taminahy Izy.Chapter 130
1Fihirana fiakarana. Nangaika Anao tao amin'ny laligna aho, Yaveh.2 Tompo o, hinò ny feoko; hiaignako soa ny fangatahako famindram-po ny sofinao.3Lehe mandinika heloka Agnao, Yaveh, de ia ro hahatsangagna, ry Tompo?4 Fa misy familàna miaraka Aminao, mba ho voazaha Agnao.5Miandry an'i Yaveh aho, miandry ny fagnahiko, de magnategna ny raha tarogniny aho. 6Miandry ny Tompo mihoatsa noho ny mpiambigna miandry ny maraigna ny fagnahiko.7Ra Israely, magnztegnà an'i Yaveh. Mpamindra fo Yaveh,ary tena vognona hamela I. 8I ro hagnavotsa ny Israely amin'reo fahotana aby manotolo.Chapter 131Fihirana fiakarana; nataon'i Davida.
1Yaveh o, tsa mibohaboha ny foko na miavognavogna ny masoko. Tsa managna fanatigniana lihibe ho an'ny tegnako aho na miahiahy ny tegnako amin'reo raha ze mihoatsa anahy.2Fa nampionogna sy nampangigna ny fagnahiko tokoa aho; salan'ny zaza nisara-nono tamin-dreniny, ny fagnahiko ao agnatiko ao de salan'ny zaza nisara-nono. 3Ra Israely o, magnatignà an'i Yaveh ankehitriny ary mandrakizay.Chapter 132Fihirana fiakarana.
1Yaveh, nohon'ny amin'i Davida de tsarò aby reo fahoriany. 2Tsaro ny fomba nianiagnany tamin'i Yaveh, ny fomba nanaovany voady tamin'ny Maherin'i Jakoba.3Hoy i hoe:" Tsa hiditsa ny tragnoko aho na ho ao am-pandreko, 4tsa hagnome torimaso ny masoko aho na fialan-tsasatsa ho an'ny hodi-masoko 5mandra-pahitako toerana ho an'i Yaveh, ny tabernakely ho an'ny Maherin'i Jakoba."6Ty, nandre momba an'zey tany Efrata agnay; nahita an'zay tagny amin'ny sahan'i Jara atsika. 7Handeha ho agny amin'ny tabernakelin'Andriamagnitsa atsika; hidera agny amin'ny fitoeran-tongony atsika. 8Mitsangàna, Yaveh, amin'ny toeram-pialan-tsasatrao, Agnao sy ny fiaran'ny herinao!9Ho ampiakanjoana tsa fivadihana anie reo mpisorognanao; hikoka fifaliana anie ze mahatokinao.10 Nohon'ny amin'i Davida mpanomponao, de aza miala amin'ny mpanjakanao voahosotsa.11Nianiagna azo antoka tamin'i Davida i Yaveh, fianiàgnana azo antoka zey tsa ho foagnany hoe:"Hametraka raika amireo taranakao ho amin'ny seza fiandriananao Aho. 12Lehe mitagna ny fagnekeko sy reo lalàna ze hapianariko anazy reo zanakao lahy, de hipetraka eo amin'ny seza fiandriananao mandrakizay hiany koa ny zana-dreo.13Azo antoka fa nifidy an'i Ziona i Yaveh, nagniry anazy ho an'ny toerany I. 14"Ty ny toeram-pitsaharako mandrakizay. Honigna eto Aho, fa magniry anazy Aho.15Ho tahiako amin'ny famatsiana be i. Homeko fahafaham-po min'ny mofo ny mahatrany.16 Hampiakanjoako famonjena reo mpisorony, hihiaka fifaliana reo mahatokiny.17Agny ro hanaovako tandroka hitsimoka ho an'i Davida sy hamitrahako jiro ho an'ny voahosotso.18 Hampiankanjoako hegnatsa ze fahavalony, fa eo aminazy kosa ro hamirapiratsa ny satro-boninahiny."Chapter 133Fihirana fiakarana, nataon'i Davida.
1Itito, endriaho ny hasoa sy hafinaritsy ny mpirahalahy miara-monigna!2Sahalamin'ny diloilo soa amin'ny loha araraka eo amin'ny volombava zay! volombavan'i Arona, ary sy avy eo araraka amin'ny moro-tongotsy ny akanjo lavany zay. 3Salamin'ny andon'i Hermona ze miraraka amin'ny tendrombohitsa Ziona izay. Fa teo ro nandidian'i Yaveh ny fitahiana de fiagnana mandrakizay.Chapter 134
1Fihirana fiakarana. Avia, misaora an'i Yaveh, agnareo mpanompon'i Yaveh manotolo, agnareo ze manompoi mandritsin'ny aligna ao an-dragnon'i Yaveh.2 Asandrato agny amin'ny fitoerana masina ny tagnanareo eko misaora an'i Yaveh.3Hitahy anareo hatao Ziona anie Yaveh, I Ze nahary ny lagniysa sy ny tany.Chapter 135
1Miderà an'i Yaveh. Miderà ny agnaran'i Yaveh. Miderà Anazy, agnareo ry mpanompon'i Yaveh, 2agnareo ze mijoro ao an-dragnon'i Yaveh,so an-kianjan'NY tragnon'NY Andriamagnitsika.3Miderà an'Yaveh,fa soa I; mihirà fiderana ho an'ny agnarany, fa mahafinaritsa ny manao an'izay. 4Fa nifidy an'i Yaveh, ary Israely ho fanagnany.5Fantatsao fa lihibe Yaveh, ary ambonin'ny andriamagnitsa aby ny Tompotsika. 6Leko ina ro ina irian'i Yaveh, de ataony agny an-dagnitsa, eto an-tany, egny amin'ny ranomasina sy ny rano laligna aby.7Mitondra ny zavogna avy lavitsa I, manao tselatsa miaraka amin'ny ranon'oragna ary mamoaka ny rivotsa aaavy tao an-dragno fitehirizany.8Namono ny voalohan-teraky ny Egypta I, leko ny an'ona na ny biby. 9Nandefa famantarana sy fahagagana teo apovoanareo, Egypta I, nanohitsa an'i Frao sy reo mpanompony aby.10Nanafika firenena be sy namono mpanjaka mahery I, 11de Sihona mpanjakan'ny Amorita sy Oga mpanjakan'i Basana ary reo fanjakana tao Kanana aby manotolo.12Nomeny antsika ho lova ny tanin-dreo, lova ho an'Israely vahoakany. 13Ny agnaranao, ry Yaveh, de maharitsa mandrakizay; ny lazanao, Yaveh, de maharitsa manderagna ny taranaka aby.14Fa miaro ny vahoakany Yaveh ary managna fangoraham-po amireo mpanompony. 15Ny sampin'ny firenena de volafotsy sy volamena, asan'ny tagnan'ny ona reo. 16Manam-bava reo sampy reo, fa tsa mitarogna; mana-maso, fa tsa mahita; 17manan-tsofigna, fa tsa mandre, ary tsa misy fofon'aigna ambavany ao. 18Reo ze manao azy reo de salamin-dreo, salan'ny ona aby ze mahatoky andreo.19Ry taranak'Israely, misaora an'i Yaveh; ry taranak'i Arona, misaora an'i Yaveh.20 Ry taranak'i Levy, misaora an'i Yaveh; agnareo ze magnome voninahitsa an'i Yaveh, misaora an'i Yaveh. 21Isaorana anie Yaveh agny Ziona, I ze monigna agny Jerosalema. Miderà an'i Yaveh.Chapter 136
1Manolora fisaorana ho an'i Yaveh; fa soa I, fa maharitsa mandrakizay ny famindram-pony. 2Manolora fisaorana ho an'Andriamagnitsy ny reo andriamagnitsa, fa maharitsa mandrakizay ny famindram-pony.3 Manolora fisaorana ho an'ny Tompon'ny tompo, fa maharitsa mandrakizay ny famindram-pony.4Manolora fisaorana ho Anazy fa I rery hiany ro manao raha mahazendagna lihibe, fa mandrakizay ny famindram-pony!5 fa tamin'ny fahindrena ro nanaovany ny lagnitsa, fa maharitsa mandrakizay ny famindram-pony6Manolora fisaorana ho Anazy ze namelatsa ny tany ambonin'ny rano, fa mandrakizay ny famindram-pony! 7Ho Anazy ilay nanao fahazavana lihibe, fa mandrakizay ny famindram-pony.8Manolora fisaorana ho Anazy ze nagnome ny masoandro mba hanapaka amin'ny andro, fa maharitsa mandrakizay ny famindram-pony! 9ny volagna sy ny kitagna mba hanapaka amin'ny aligna, fa maharitsa mandrakizay ny famindram-pony.10Manolora fisaorana ho Anazy ze namono ny lahimatoan'i Egypta, fa maharitsa mandrakizay ny famindram-pony! 11de nitondra an'Israely nienga avy teo amireo,fa maharitsa mandrakizay ny famindram-pony!12 tamin'ny tagnany mahery sy sandry nisandratsa, fa maharitsa mandrakizay ny famindram-ponyu.13Manolora fisaorana ho Anazy ze nagnasaraka ny Ranomasina Mena , fa mahjaritsa mandrakizay ny famindram-pony! 14 sy nampitsaka an'Israely teo anelanelan'zay, fa maharitsa mandrakizay ny famindram-pony! 15Fa nandrendrika kosa an'i Farao sy ny tafiny tao namin'ny Ranomasina Mena, fa maharitsa mandrakizay ny famindram-pony.16Magnomeza fisaorana ho Anazy e nitarika ny onany tagny agn'efitsa, fa maharitsa mandrakizay ny famindram-pony! 17sy ho an'ny ze namono reo mpanjaka lihibe, fa maharitsa mandrakizay ny famindram-pony.18Manolora fisaorana ho Anazy ze namono reo mpanjaka malaza, fa maharitsa mandrakizay ny famindram-pony, 19de i Sihona mpanjakan'ny Amorita fa mandrakizay ny famindram-pony! 20Sy i Oga mpanjakan'i Basana, fa mandrakizay ny famindram-pony.21Manolora fisaorana ho Anazy ze nagnome ny tanin-dreo ho lova, fa maharitsa mandrakizay ny famindram-pony,22 de lova ho an'Israely mpanompony, fa maharitsa mandrakizay ny famindram-pony, 23ho Anazy ze nahatsiaro antsika sy namonjy antsika tamin'ny fahafahambarakantsika , fa maharitsa mandrakizay ny famindram-pony.24Manolora fisaorana ho Anazy ze efa nagnome fandresena antsika teo amin'ireo fahavalotsika, fa maharitsa mandrakizay ny famindram-pony! 25de ze magnome hanina ho an'ny zava-managn'aigna aby,fa maharitsa mandrakizay ny famindram-pony. 26Oh, magnomeza fisaorana ho an'Andriamagnitsy ny lagnitsa, fa maharitsa mandrakizay ny famindram-pony.Chapter 137
1Tegny amoron'ny reniranon'i Babylona agnay ro nitoatsa sy nitagny lehe nahatsiaro ny momban'i Ziona. 2Teo amin'ny hazomalahelo ro nagnatognanay reo harpa anay tagny.3Tagny ro nangatahan-dreo mpambabo anay hihira, ary reo ze magneso anay de nangataka anay mba hifaly, nanao hoa:"Manaova hira raika amin'ireo hiran'i Ziona ho anay." 4Akory ro hahafahanay manao ny hira mombab'i Yaveh aty amin'ny tany hafa?5Lehe magnadigno anao aho, Jerosalema, de avilao tsa hahay hitendry ko a ny tagnako ankavagnana. 6Apitraho ny lelako hirekitsa amin'ny lagnilagniko lehe tsa mieritseritsa anao koa aho, lehe tsa te an'i Jerosalema mihoatsa ny tiako indrindra aho.7Tsarovy, Yaveh, ze nataon'i Edomita tamin'ny andro naharava an'i Jerosalema. Hoy reo: "Potipoteho zay, ravao hatamin'ny fotony."8Ra zanaka vavin'i Babylona, tsa ho ela de ho rava, aoka ho tahiana ny ona, ze ona mamaly ny amin'ny ze efa nataonao anay. 9Hotahiana anie ny ona, ze magnalaka ary manorotoro ny zanakareo amin'ny vatolampy.Chapter 138Salamo nataon'i Davida.
1Hagnome fisaorana Anao amin'ny foko manotolo aho; eo agnatrehan'ny reo andriamagnitsa ro hihirako fiderana ho Anao.2 Hiankohoka eo amin'ny tempolinao masina aho ary hagnome fisaorana ny agnaranao ny amin'ny fagnekenao mahatoky sy ny amin'ny fahamendreham-pakianao. Nanao ny taronao sy ny agnaranao ho raha lihibe mihoatsa ny raha hafa aby Agnao.3Tamin'ny andro nangehako Anao, de namaly anahy Agnao; nampahery sy nampatanjaka ny fagnahiko Agnao.4 Hagnome fisaorana Anao aby ny mpanjakan'ny tany, Yaveh, fa handre reo tarogna hatamin'ny vavanao reo5Eka tokoa, hihira ny asan'i Yaveh ireo, fa lihibe ny voninahits'i Yaveh. 6Fa leko avo aza i Yaveh, de vona miahy reo ze manetry tegna, fa ny mpirehareha kosa de fantany hategny lavitsa egny.7Leko roso egny ampovoan'ny loza aza aho. de hiaro ny aiko Agnao; hagnijitsa ny tagnanao hanohitsa ny fahatizeran'ny fahavaloko Agnao, ary hamonjy anahy ny tagnanao ankavagnana. 8Momba anahy hatamin'ny farany Yaveh; ny famindram-ponao, Yaveh, de maharitsa mandrakizay. Aza mahafoy reo ze nataon'ny tagnanao.Chapter 139
1Ho an'i mpiventy hira. Salamo nataon'i Davida. Rô Yaveh, efa nandinika anahy Agnao, ery fantatsao aho. 2Fantatsao aho lehe mitoatsa sy lehe mitsangagna; takatsao hategny lavitsa egny ny fisaignako.3Mandinika ny lalako sy ny fandreko Agnao; mahafantatsa soa ny lalako aby manotolo Agnao. 4Fa talohan'ny nisian'ny tarogna teo amin'ny lelako, de fantatsao tateraka zey, Yaveh. 5Mahodidigna eo alohako sy ao afarako Agnao ery mametraka ny tagnanao aminahy. 6Ny fahalalana salamin'ny zay de sarotsa loatsa aminahy, sady ambony loatsa, ko de tsa takatso zey.7Aia ro hialako amin'ny fagnahinao? Aia ro hilifasako amin'ny fagnatrehanao? 8Lehe magnanika agny an-dagnitsa aho, de agny Agnao; lehe manao ny fandreko agny amin'ny fiagnan-tsa hita aho, de io fa agny Agnao.9Lehe mitsidigna amin'ny elatsy ny maraigna aho de mandeha mba hitoatsa agny amin'ny faran'ny ranomasina, 10ary leko agny aza aho vona hitarika anahy ny tagnanao, ary ny tagnanao ankavagnana hiazogna anahy.11Lehe nitarogna aho hoe: " Hanafotsa anahy tokoa ny aizigna, ary ny hazavana ho tonga aligna magnodidigna anahy," 12na ny aizigna aza de tsa ho maizigna aminao. Ary ny aligna hibaliaka tahaka ny andro, fa aminao de mitovy ny aizigna sy hazavana.13Agnao ro namorogna ny tao agnatiko; nofinorognanao tao an-kibon-dreniko aho.14 Hidera Anao aho, fa mahatalanjogna ny nanaovanao anahy. Fantatsy ny fagnahiko soa tokoa zey.15Tsa nisitrika taminao ny taolako vana natao tao amin'ny miafigna aho, vana vinolavola fatratsa tagny amin'ny laligna tagny iaho. 16Nahita anahy tao am-bohoka Agnao; efa voarakitsa ao amin'ny bokinao leko vona tsa nitranga aza ny voalohany, ny andro voatondro ho anahy aby.17Eh tsa mba takatsy ny saiko ny hasarobidin'ny fiheveranao, Andriamagnitsa! Akory ny haben'ny fitambarandreo!18 Lehe andramako isaina reo, de be an'isa nohon'ny fasika. Sy mifoha aho, de vona miaraka Aminao.19Lehe mba hamono ny ratsy fagnahy Agnao, Andriamagnitsa; de Mialà aminahy, agnareo ona mahery setra.20 Mikomy aminao reo ary mamely am-pitaka; milaza lenga reo fahavalonao.21Moa ve tsa mankahala, reo ze mankahala Anao aho , Yaveh? Moa ve tsa manao tsinotsinona reo ze mitsangagna hanohitsa Anao aho?22 Mankahala anazy reo tanteraka aho; efa roso fahavaloko reo.23Diniho aho, Andriamagnitsa o, de fantaro ny foko; zahao toetsa aho ka fantaro ny fisaignako. 24Jereo lehe misy fahazaran-dratsy ato agnatiko, ary tariho amin'ny lalagna mandrakizay iaho.Chapter 14
1Ho an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'i Davida. Ny gegy manmao anakamm-po hoe:"Tsa misy Andriamagnitsa."Simba saigna reo de efa nanao heloka fahavetavetana; Tsa misy2Miondria mijery ny zanak'olombelogna hatagn'andagnitsa Yaveh mba hizaha lehe misy mahafantatsa, sy mitadia an'Azy.3 Samy efa niolaka aby reo. Samy simba toe-tsaigna aby.Tsa misy manao ny soa, tsa misy, leko raika aza.4Tsa mahafantatsa na ina na ina ve reo, ze mpanao meloka, reo ze mihinagna ny onako sahalamin'ny mihinagna mofo nefa tsa mangaika an' i Yaveh?5Tera-kovitsa noho ny tahotsa reo, satria Andriamagnitsa de momba ny fiangognan'ny marina! 6Magniry agnao ny hapahamegnatsa ny ona mahantra leko Yaveh aza ro fialofany.7Endrey, zao famonjena ny Israely zey ho avy agny Ziona! Lehe mitondra ny vahoakany hatagny fahababoany Yaveh, de ho ravo Jakoba de ho faly aby manotolo ny Israely!Chapter 140Ho an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'i Davida.
1Yaveh o, vonjeo amin'ny ratsy fagnahy aho ; arovy amin'ona mahery setra aho. 2Mikasa ratsy ao am-pony reo; manangagna ady isan'andro reo.3 Mandratsa salamin'ny bibilavany lelan-dreo; ny poizin'ny menarana ro eo amin'ny molony. Sela4Arovy amin'ny tagnan'ny ratsy fagnahy aho. Yaveh; arovy amin'ona mahery setra ze mikasa ny hamandrika anahy aho. 5Efa nametraka fandrika ho anahy ny mpirehareha; efa nampiely ny harato reo; efa nametraka fandrika ho anahy reo. Sela6Hoy iaho tamin'i Yaveh: " Andriamagnitso Agnao; mihinoa ny tomagnim-piantranao."7 Yaveh, Tompoko o, tena afaka mamonjy anahy Agnao; miaro ny lohako amin'ny andron'ny ady Agnao.8 Yaveh, aza mamaly ny fagnirian'ny ratsy fagnahy; Aoka tsa hahomby ny teti-dratsin-dreo. Sela9Reo ze magnodidigna anahy de magnatraka ny lohany; aoka ny fialognandreo hiany ro hanarogna ny somindreo.10 Aoka hisy vain'afo ho trotraka eo amin-dreo ; atoroaho agnaty afo ao reo, de ao amin'ny lavaka tsa hita noanoa, ko tsa hiarigna koa.11 Aoka ny ona mahay vava tsa hagnamboatsa fitoerana amin'ny tany; aoka ny loza hagnosihosy ny ratsy fagnahy mba hamonoana anazy ho maty.12Fantako fa hitsara ny ory amin'ny indrafo i Yaveh, ary hagnome rariny ny mahantra. 13Azo antoka fa ona marina de hisaotsa ny agnaranao; hiaigna eo amin'ny fagnatrehanao reo ona mahitsy.Chapter 141Salamo nataon'i Davida.
1Yaveh, mitaraigna Aminao aho; malaky ho aty aminahy. Heno aho sy mangaika Anao. 2Aoka ny fivavako ho salamin'ny ditin-kazo magnitsa eo agnatrehanao; aoka ho salamin'ny sorogna hariva ny fanandratako ny tagnako.3Yaveh, asio mpiambigna eo amin'ny vavako; ambeno ny varavaran'ny somiko. 4Aza avela hitsiriritsa ny raha ratsy ny foko na handray anjara amin'ny fahotana miaraka amin'ona ze mitondra tegna ho ratsy. Aza avela hihinagna ny hanim-pindreo aho.5Avelao ny ona marina hamely anahy; fa ho fahalemem-panahy aminahy zay. Aoka hagnitsy anahy i; ho salamin'ny diloilo eo amin'ny lohako zey; aoka ny lohako tsa handà fa hagneky an'zay. 6Fa ny fivavako de manohitsa ny asa ratsin-dreo mandrakariva. Hatoraka hategny amin'ny tampon'ny hatsagna reo mpitarika andreo reo; ho ren-dreo fa ny taroko de mahafinaritsa.7 De hilaza reo hoe: "Tahaka ny ona miasa sy miady ny saha, de efa voaparitaka tagny am-bava'ny fiainan-tsi hita ny taolanay."8Aminao tokoa ny masoko, Yaveh, Tompo; Aminao ao aho ro hialoka; aza mamela ny fagnahiko tsa hisy mpiaro.9 Arovy amireo fandrika ze efa novelarin-dreo ho anahy iaho, amin'ny fandriky ny mpanao ratsy. 10Aoka ny ratsy fagnahy ho lavo amin'ny haratony lehe milefa aho.Chapter 142Maskilan'i Davida, lehe tao agnaty zohy i; Fivavahana.
1Amin'ny feoko ro itaraignako famonjena amin'i Yaveh; amin'ny feoko ro iangaviako ny fankasitrahan'i Yaveh.2 Loarako eo alohany ny fitaraignako; lazaiko aminazy reo fahoriako.3Lehe agnatin'ny fagnahiko, de Agnao mahalala ny lalako. Amin'ny lalagna ze hizorako ro nanitrihany fandrika ho anhy. 4Mijery ny eo ankavagnako aho de mahita fa tsa misy ona miraharaha anahy, tsa misy ona miraharaha anahy; tsa misy ona miraharaha ny fiaignako. 5Nangaika mahery Anao aho, Yaveh; de nanao hoe: " Agnao ro fialofako, anjarako eo amin'ny tanin'ny velogna.6Heno ny fitaraignako,fa ory aho; vonjeo amin'ny mpagnenjika anahy iaho,fa mahery noho iaho reo. 7Ampiengao ao amin'ny tragnomezigna ny fagnahiko mba hahafahako manolotsa fisaorana ny Agnaranao. Hibotry magnodidigna anahy ny ona-marina satria Agnao ro efa soa taminahy."Chapter 143Salamo nataon'i Davida.
1Heno ny fivavako, Yaveh; mihenoa reo fangatahako. Nohon'ny fahatokianao sy ny fahamarinanao, de mamalia anahy! 2Aza tsaraina ny mpanomponao, sartia eo imasonao de tsa misy ona-marina.3Nandoditsa ny fagnahiko ny fahavaloko; nandoditsa anahy hatagny ambanin'ny tany i; nampitoatsa anahy tamin'ny fahamaizignana salamin'ny maty efa ela i. 4Rokaka agnty ny fagnahiko;mamoy fo aho.5Mahatsiaro reo andro fahiny iaho; misaintsaigna reo asanao aby iaho; misaintsaigna reo raha vitanao.6 Mamelatsa ny tagnako ho Anao amin'ny vavako aho; mangetaheta Anao ny fagnahiko agny amin'ny tany karakaina. Sela7Malaky hamaly anahy,Yaveh o, fa rokaka ny fagnahiko. Aza manitrika ny tavanao aminahy, lehe tsa zey de ho roso salamin'ny ze mitsidigna agny an-davaka iaho. 8Avilao ho reko ny famindram-ponao amin'nyn maraigna, satria matoky anao iaho. Atoro anahy ny lalagna ze tokony handehanako, fa manandratsa ny fagnahiko aminao aho.9Avoto amin'ny fahavaloko aho Yaveh; milefa ho egny aminao aho mba hiery.10 Ampianaro aho ho hanao ny sitraponao, fa Andriamagnitso Agnao. Ny Fagnahinao soa anie hitarika anahy agny amin'ny tanin'ny fahitsiana.11Yaveh o' noho ny amin'ny agnaranao, tano ny fahavelomako; amin'ny fahitsianao fero miala amin'ny fahoriana ny fagnahiko. 12Amin'ny famindram-ponao alao ny fahavaloko ary aringano aby ny fahavalon'ny aiko,fa mpanomponao aho.Chapter 144
1Ho deraina anie Yaveh, vatolampiko, ze nagnofagna ny tagnako ho amin'ny ady eko ny ratsan-tagnako ho amin'ny ady.2 Agnao ro fagnekeko mahatoky sy fiarovana mafy ho anahy, fiarovana avo ho anahy sy ny mamonjy anahy ampingako sy fialofako, ny mampietry ny firenena eo ambaniko.3Yaveh o, ina ze ona ro ho tsinjonao na ny ny zanak'ona ro hiheveranao anazy?4 koa fofon'aigana ny ona; salan'ny aloka mandalo reo androny.5Vohao ny lagnitsa ko mirorogna,ra Yaveh ;kasiho reo tendrombohitsa ko am-pagnetrohy.6 Andifaso tsela-pahazavana ko aparitaho reo fahavaloko; mitifira amin'ny zana-tsipikanao ko fero mipody amin'ny fifanjevoana reo.7Ahinjiro hatagn'ambony ny tagnanao; avoty iaho hiala amireo rano be, amin'ny tagnan'ireo ona hafa firenena.8 Ny vavan-dreo mitarogna lenga, eko ny tagnany havagnana de fitaka9Hihira fihiram-baovao ho Anao iaho, Andriamagnitsa o; amin'ny valiha tory folo ro hihirako fiderana ho Anao,10 ze magnome famonjena ho an'reo mpanjaka, ze namonjy an'i Davida mpanomponao tamin'ny sabatsy ny ratsy. 11 Avoto eko afaho amin'ny tagnan'reo ona hafa firenena iaho. Ny vavan-dreo mitarogna lenga, eko ny tagnany havagnana de fitaka.12Ho salan'ny hazo maroroka anie reo zanakay lahy amin'ny fahatanorany eko reo zanakay vavy ho salan'ny vato fehizoro voasokitsa, miendrika dekoa ny ao an-dapa. 13Ny tragno fitehirizanay anie ho feno aby ny karazam-bokatsa, eko ny ondrinay anie hamokatsa an'arivony sy an'aliny ao amin'ny sahanay.14DE hanagn'anaka be ny ombinay. Tsa hisy ona hamaky nny mandanay; tsa hisy sesi-tany eko tsaa hisy fitomagniana eo amin'ny lalanay.15 Voatahy ny ona ze managna an'zey fitahiana zey; sambatsa ny ona ze managna an'i Yaveh ho Andriamaniny.Chapter 145
1Salamo fiderana. Nataon'ni Davida. Hanandratsa Anao aho, ry Andriamagnitso, manjakaka o; hankalaza ny Agnaranao aho mandrakizay doria.2 Hankalaza Anao isan'andro aho; hidera ny agnaranao aho mandrakizay doria.3 Lehibe Yaveh eko mendrika ho deraina ndrindra; tsa takatsy ny saigna ny fahalehibiazany.4Ny taranaka aby manotolo hidera ny asanao amin'ze mandimby anazy sy hagnambara ny asanao mahery.5 Hisaitsaigna ny lazan'ny voninahitsao sy reo asanao mahagaga aho.6Hitarogna momban'ny hatsaran'ny herin'ny asanao reo, eko hagnambara ny fahalehibiazanao aho.7 Hagnambara ny fitobahan'ny fahasoavanao reo, eko hihira momban'ny fahamarignanao.8Miantra sy mpamindra fo Yaveh,tsa mora masiaka eko be famindram-po.9 Soa amin'draha aby Yaveh; manerana ny asany aby ny fiantrany.10Ze namboarinao de hanolotsa fisaorana ho Anao aby, ra Yaveh; reo mahatokinao hisaotsa Anao.11 Reo mahatokinao hagnambara ny voninahitsy ny fanjakanao, eko hilaza ny herinao reo. 12 Hampahafatarin'dreo ny zanak'olombelogna ny herin'ny asan'Andriamagnitsa sy ny hasoan'ny famirapiratan'ny fanjakany.13Ny fanjakanao de fanjakana maharitsa mandrakizay, eko ny fanapahanao de haharitsa hatamin'ny taranaka aby manotolo.14Yaveh manohagna ze lavo eko manangagna ze mitanondrika aby. 15Ny mason'ny ona aby miandry Anao; homenao andreo ny haniny amin'ny fotoagna mety. 16Mamelatsa ny tagnanao Agnao eko mahafapo ny fagnirian'ny zava-managn'aigna aby.17Marina Yaveh amin'ny lalany eko mpamindra fo amin'ny asa aby ataony.18 Agnilan'ny ze mangaika Anazy Yaveh, amin'ze mangaika Anazy amin'ny fahamendreham-pitokiana.19 Magnatanteraka ny fagnirian'ny ze magnaja Anazy I; mandre ny fitaraignan-dreo I eko mamonjy an-dreo.20Miambigna an'ze te Anazy Yaveh, fa ho ravany aby ny ratsy fagnahy. 21Hagnambara fiderana an'i Yaveh ny vavako; oka ny olombelogna aby hidera ny agnarany masina mandrakizay doria.Chapter 146
1Miderà an'i Yaveh. Miderà an'i Yaveh, to fagnahiko. 2Hagnome fiderana ho an'i Yaveh aho amin'ny fiaignako manotolo; hihira fiderana ho an'Andriamagnitsa aho lehe vona miagna madigna.3Aza mametraka fitokiana amin'ny reo andriana na ny olombelogna, amin'ze tsa misy famonjena. 4Sy miegnina ny fofon'ain'ona, de hody amin'ny tany i; amin'zey andro zey ro tapitsa ny fikasany.5Tretrika ze managna an'Andriamagnits'i Jakoba hagnampy anazy, ze managna fagnategnana ao amin'i Yaveh Andriamagniny. 6Nanao ny lagnitsa sy ny tany Yaveh, ny ranomasina ,sy ze aminazy ao aby; mitandrigna fahamendreham-pitokiana mandrakizay I.7Magnatanteraka fahamarinana ho an'ny nampahoriana I ery magnome hanina ny noana. Magnafaka ny gadra Yaveh; 8Mamoha ny mason'ny jamba Yaveh; Manangagna ny mihohoka i Yaveh; Yaveh te ny ona marina.9Yaveh miaro ny vahiny amin'ny tany; manandratsa ny kamboty sy ny mpitondrategna i, fa manohitsa ny ratsy fagnahy koa.10 Hanjaka mandrakizay Yaveh, Andriamagnitsao, ra Ziona, amin'ny taranaka aby manotolo. Miderà an'i Yaveh.Chapter 147
1miderà an'i Yaveh, fa soa ny mihira fiderana an' Andriamagnitsika, tena soa zay,ery mety ny midera.2Manangagna an'i Jerosalema ndraika Yaveh, mampikambagna ny vahoakan'Israely niely I. 3Magnasitragna ny torotoro fo i ery mamehy ny ferin-dreo.4Magnisa ny kitagna i, eko magnome agnarana an-dreo aby. 5Lihibe ny Andriamagnitsika eko mahagaga ny heriny, ny fahazavan-tsainy tsa azo rifesina.6Manandratsa ny ory Yaveh ,eko mampietry ny ratsy fagnahy amin'ny tany. 7Mihirà ho an'i Yaveh amin'ny fisaorana ,mihirà fiderana amin'ny lokanga ho an'Andriamagnitsika.8Manarognany lagnitsa ny amin'ny rahogna I ery magnomagna ranon'oragna ho an'ny tany, mampitsiry ny ahitsa amin'ny tendrombohitsa.9 Magnome hanina ho an'ny biby I ery ny goaika tanora sy mitaraigna igny.10Tsa mahita amin'ny herin'ny soavaly i, tsa mahazo fafinaretana amin'ny tanjaky ny tongotsy ny ona I. 11Yaveh de mankasitraka reo ze magnaja anazy,ze magnategna ny famindram-pony.12Miderà an'i Yaveh ,ra Jerosalema, midera an'Andriamagnitsao, ra Ziona. 13Fa magnamafy ny hidim-bavahadinao I, mitahy ny zanakao eo aminao I. 14Mitondra fagnambinana ao agnatin'ny fari-taninao I, mahafapo anao amin'ny vary tritika sao I.15Mandefa ny didny eo amin'ny tany I, ny didiny miridiridy mahery. 16Manao ny oram-panala dekoa volon'ondry I, magnely ny fanala dekoa lavelogna I.17Mizara ny havandra dekoa poti-draha I, ia ro hahazaka ny nara halefany?18 Mandefa ny didiny I eko mampiempo an'zay, mampienga ny rivotsa ko magororoka ny rano I.19Tinarony amin'i Jakoba ny tarony, ny didiny sy reo lala-mariny amin'Israely. 20Tsa mba nanao salan'ny zay tamin'ny firene-kafa i,ery amin'ny didiny,de tsa fantan-dreo zey. Midera an'i Yaveh.Chapter 148
1Midera an'i Yaveh. Midera an'i Yaveh, agnareo agny an-dagnitsa ; midera Anazy, agnareo agny amin'ny avo.2 Midera anazy ro anjeliny manotola;midera Anazy,ro miaramilany manotolo.3Midera Anazy, ro masoandro amam-bolagna; midera Anazy, ro kitagna mamiratsa aby. 4Midera Anazy, ro avo ndrindra amin'ny lagnitsa eko agnareo rano ze egny ambanin'ny habakabaka.5Oka hidera ny agnaran'i Yaveh reo, fa I ro nagnome ny didy,eko de nohariana reo.6 Nampitoatsa an-dreo mandrakizay doria I; Nomeny lalana reo ko tsa hiova mihitsy.7Midera Anazy eto an-tany ,agnareo dragogna sy ny ranomasina laligna aby, 8ny afo sy havandra , ny oram-panala sy ny zavogna, ny rivo-mahery magnatanteraka ny teniny.9Midera Anazy , ro tendrombohitsa sy havoiagna,ny hazo mamoa sy sedera, 10ny bibidia sy ny voafolaka, reo zava-managn'aigna ze mandady sy reo voro-manidigna.11Midera an'i Yaveh, ro mpanjakan'ny tany sy ny firenena manotolo,ro andriana sy ze manapaka eo amin'ny tany, 12ro kilongalahy sy kilongavavy, ny atitsa sy ny tanora.13Oka hidera ny agnaran'i Yaveh reo fa ny agnarany rery hiany ro asandratsa ery ny voninahiny hihitatsa amin'ny tany sy ny lagnitsa. 14Efa nanandratsa ny tandroky ny onany ho fiderana ho an'ny onany mahatoky I, de ny Israelita, zey vahoaka mariny Anazy. Midera an'i Yaveh.Chapter 149
1Midera an'i Yaveh. Mihira fihiram-baoavao ho an'i Yaveh; mihira fihirana ho Anazy ao amin'ny fiangonan'reo ona mahatoky2Oka ny Israely hifaly amin'ze nanao anazy; oka ny onan'i Ziona hifaly amin'ny mpanjakan-dreo.3 Oka reo hidera ny agnarany amin'ny dihy;oka reo hihira fiderana ho anazy amin'ny ampongatapaka sy harpa.4Fa Yaveh de mankasitraka ny onany; mankalaza ny mpagnetry tegna amin'ny famonjena I. 5Oka ny ona masina hifaly amin'ny fandresena; oka hihira fifalianaao am-pandriany reo.6Ho amin'ny vavan-dreo anie ny fiderana an'Andriamagnitsa eko ny sabatsa roa lela egny an-tagnany7 mba hagnatanterahana valifaty amin'reo firenena be sy fihetsika magnafay ny ona.8Handrohy ny mpanjakany amin'ny rojo reo eko ny mana-kaja amin'ny rojovy.9 Hampihatra ny fitsarana ze voasoratsa reo. Zey de ho voninahitsa ho an'ny onany mahatoky aby. Midera an'i YavehChapter 15
1Salamo nataon'i Davida. Yaveh o, Ia ro afaka hiegnina ao amin'ny taberinakelinao? Ia ro afaka honigna eo an-tendrombohitsao masina? 2De ze mandeha tsa misy tsiny aby, manao ny marina sy mitarogna ny marina amin'ny fony.3Tsa magnendrikendrika amin'ny lelany i. Tsa magnisy ratsy ny hafa ary tsa maniratsira ny namany.4Ny ona tsa mendrika de ho tsinotsinona eo imasony, fa hagnome voninahitsa ze matahotsa an'Yaveh i. Mianiagna amin'ny fahavoazany i ary tsa hamerigna anreo fampagnantegnany. Tsa maka tombony i rehefa mampindram-bola.5 Tsa mandray kolikoly mba hijoroana vavolombelogna manohitsa ny tsa mana-tsigny i. Ze manao anreo raha aby ireo de tsa hangozohozo mihitsy.Chapter 150
1Miderà an'I Yaveh. Miderà an'Andriamagnitsa ao amin' my fitoerany masina; misers Anazy egny amin'ny habakabaka mahery. 2Miderà anazy amin'ny asany mahery,miderà anazy amin'ny fahalehibiazany mihoapapagna.3Miderà Anazy amin'ny fitsarana anjomara; misers Anazy amin'ny lokanga sy ny harpa. 4Miderà anazy amin'ny ampongatapaka sy ny dihy; miderà Anazy amin'ny valiha sy ny sodigna. 5Miderà Anazy amin'ny kipatsogna magneno; miderà anazy amin'ny feo maherin'NY kipatsogna magneno6Ôka ze manam-pofon'aigna hidera an'iYaveh aby. Miderà an'i YavehChapter 16
1Salamo nataon'i Davida. Arovy iaho, Yaveh, fa mialoka aminao an'iaho.2 Hoy iaho tamin' i Yaveh hoa: "Agnao ro Tompoko; tsa misy soa anagnako akoatsa Anao.3 Lehe ny amireo ona masina eto an-tany, de mendri-kaja reo, ho andreo aby ny fankasitrahako.4Ho ampitomboana ny fahorian'reo ze mitadia andriamani-kafa. Tsa mba handraraka fagnati-drà amin'andriamagnin-dreo iaho na hanandratsa ny agnaran-dreo ny molotso.(somiko).5Yaveh, Agnao ro anjara voafidiko sy kapoakako. Agnao ro mitagna ny anjarako. 6Eo amireo tany mahafinaritsa ro misy ny voafaritsa ho anahy; anahy tokoa ny lova soa.7Hisaotsa an'i Yaveh, ze manoro hevitsa anahy iaho; eka leko de amin'ny aligna aza de mampianatsa anahy ny saiko 8. Hataoko eo alohako mandrakariva i Yaveh, mba tsa voahozongozogna eo an-tagnan-kavagnany iaho!9Noho zey de faly ny foko; ravoravo ny fagnahiko. Hiaigna am-pilamignana tokoa iaho.10 Satria tsa hamela ny fagnahiko ho agny amin'ny fiagnana tsa hita Agnao. Tsa hamela ny mahatokinao hahita ny lavaka Agnao.11Nampianarinao anahy ny lalan'ny fiagnana; hafalem-be ny eo agnatrehanao; fahafinaretana ny mitoatsa eo an-tagnan-kavagnanao mandrakizay!"Chapter 17
1Vavaka nataon'i Davida. Mihinoa ny fangatahako ny rariny, Yaveh; hino ny antso vonjiko! Atongilagno amin'ny fivavahako hatamin'ny somiko tsa misy fitaka ny sofinao.2 Aoka ho avy eo agnatrehanao ny fitsarana anahy; aoka ny masonao hijery ny rariny!3Lehe mijaha toetra ny foko Agnao, lehe avy aminahy amin'ny aligna Agnao,de hagnadigno anahy Agnao eko tsa hahita fikasan-dratsy; tsa hanota ny vavako.4Ny amin'ny asan'ona, de tamin'ny taron'ny sominao(molotsao) ro nitandremako ny tegnako tamin'ny alaln'ny mpandika lalàna. 5Ny diako de mafy origna teo amin'ny lalanao, eko tsa solafaka ny tongoko.6Mangaika Anao iaho, fa mamaly anahy Agnao, Andriamagnitsa; atongilagno aminahy ny sofinao eko mihinòa sy mitarogna iaho. 7Atorò amin'ny fomba mahatalanjona ny tsa fivadiham-pangnikenao, Agnao ze mamonjy reo ze mialoka aminao amin'ny alan'ny tagnan-kavagnanao amin'ny fahavalon-dreo!8Arovy salan'ny anaka andrioamasonao iaho; asitriho ao ambany aloky ny elatsao9 amin'ny fagnatrehan'ny ratsy fagnahy ze mamela anahy iaho, de reo fahavaloko ze mzgnodidigna anahy. 10Tsa managna famindram-po na amin'ia na amin'ia reo; ny vavan-dreo de mitarogna agn'avogna.11Magnodidigna ny lalako reo. Mibanjigna ny mason-dreo handavo anahy amin'ny tany. 12Reo de salan'ny liona te hamiravira fatratsa, salan'ny liona tanora mamitsaka amin'ny toerana fierena.13Mitsangana, Yaveh! Tafio reo! Akapohy amin'ny tany ny tavan-dreo! Avoto tsa ho azon'ny ratsy fagnahy amin'ny alalan'ny sabatsao ny aiko!14 Avoto amin'ona amin'ny alalan'ny tagnanao iaho,Yaveh, amin'ny onan'izao tontolo zao ze amity fiaignana ty hiany ro anjarany! Hameno harena ny trokan'ny sarobidinao Agnao; hanagna taranaka be reo eko hamela ny hareny ho an'ny taranany.15Feny iaho kosa , de hahita ny tavanao amin'ny fahamarinana; ho afa-po,amin'ny fijerena anao iaho, sy mifoha.Chapter 18
1Ho an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'i Davida, ny mpanompon'i Yaveh, sy nihira ho an'i Yaveh ny tognon'ty hira ty tamin'ny andro namonjen'i Yaveh anazy tegny an-tagnan-dreo fahavalony aby sy tegny an-tagnan'i Saoly i. Nihira i hoe: Tiako Agnao, Yaveh, heriko.2Yaveh ro harambatoko, fiarovana mahery, ze mitondra fiarovana ho anahy; I ro Andriamagnitso; harambatoko, mialoka Aminazy iaho. I ro ampingako, tandroky ny famonjeko, sy fiarovana mahery ho anahy.3 Hangaikan an'i Yaveh iaho, eko voavonjy amin'ny fahavaloko iaho.4Nandrohy anahy ny tadin'ny fahafatesana, eko ny onjan'ny faharatsiana ro nandrendrika anahy.5 Nandrohy anahy ny tadin'ny fiainan-tsy hita; namandrika anahy ny fandriky ny fahafatesana.6Nangaika an'i Yaveh iaho tagnatin'ny fahoriako; nikaika vonjy tamin'i Andriamagnitso iaho. ren'ny ny feoko hatamin'ny tempoliny; ny vonjiko de avy teo agnatrehany; ren'ny sofiny zey.7Eko nihovitsa sy nihorohoro ny tany; nihorohoro sy nihovitsovitsa koa ny fototsy ny tendrombohitsa satria nasiaka Andriamagnitsa. 8Nagnanika ny setroka avy tamin'ny lavakorony, eko afo midedadeda ro nienga tamin'ny vavany. Nirehitsa tamizay ny vain'afo.9Novinohany ny lagnitsa eko nirorogna i, eko teo ambanin'ny tongony ny haizigna matevigna. 10Nidingigna kerobima I eko nitsidigna; nisosa tegny amin'ny elatsy ny rivotsa I.11Nataony tragno lay nagnodidigna anazy ny ezigna, ny raho-menty an-dagnitsa. 12Nitrotraka hategny amin'ny tselatsa teo alohan'ny havandra sy vain'afo.13Nikiotroka tegny an-dagnitsa Yaveh! Nikoka ny feon'ny Avo indrindra. 14Nandefa ny zana-tsipikany i eko nandripaka ny fahavalony; tselatsa be ro nandripaka andreo.15Sy ahateo de nipoitsa ny fantson-drano; reo fanambanin'zao tontolo zao de nipoitsa hatamin'ny hikam-piadianao, Yaveh tamin;ny fipoaky ny fofon'aignin'ny lavakoronao.16Nagnijitsa ny tagnany hatagny ambony I; drinainy iaho! Sinitony hatao amin'ny rano manonja iaho. 17Nagnavotsa anahy tamin'ny fahavaloko matanjaka I, tamin'ny ze nankahala anahy, satria mahery loatsa ho anahy reo.18So roso nanohitsa anahy reo tamin'ny androm-pahoriako fa Y aveh ro nanohagna anahy! 19Nagnafaka anahy tegny amin'ny toerana malalaka I; namonjy anahy I satria nahafinaritsa Anazy aho.20Nagnome valisoa anahy Yaveh nohon'ny fahamarignako; magnarigna anahy I satria nadio ny tagnako. 21Fa iaho efa nitandrigna reo didin'i Yaveh eko tsa nivadika ratsy fagnahy tamin'ny Andriamagnitso.22Fa efa teo alohako aby ny lalany marina; lehe ny amin'ny didiny, de vona tsa nivadika tamin'ny reo aho.23 Iaho koa de tsa nagna-tsigny teo agnatrehany,eko nitandrigna ny tegnako tamin'ny fahotana aho.24 Noho zey de namelogna anahy ndraika Yaveh nohon'ny fahamarinako, satria nadio teo imasony ny tagnako.25Ze mahatoky de ampisehoanao fahatokiana; ny ona ze tsa misy tsigny, de ampisehoanao tsa fanagnan-tsigny. 26Ny ona ze madio ,ro ampisehoanao fahadiovana; fa Agnao de mahira-tsaigna amin'ze ratsy fagnahy.27Fa Agnao magnavotsa reo ona ory, eko magnambany reo mirehareha! 28Fa Agnao mandrehitsa ny jiroko; magnazava ny fahamaizignako Yaveh Andriamagnitsa o. 29Fa amin'ny alalanao ro ahafahako miridiridy ambonin'ny sakagna; amin'ny alalan'ny Andriamagnitso ro ahafahako mandingagna rindrigna.30Lehe ny amin'Andriamagnitsa: tonga lafatsa ny lalany. Ny tenin'i Yaveh de madio! Ampingan'ze mialoka aby aminazy I. 31Fa ia ro Andriamagnitsa ankoatsan'i Yaveh? Fa ia ro harambato ankoatsan'i Yaveh?32 Andriamagnitsa ro mametraka hery aminahysalan'ny fehi-troka, ze mampitoatsa ny ona tsa misy tsigny eo amin'ny lalany.33Ataony malaky famindra salan'ny diera ny tongoko eko mampitoatsa anahy egny amin'ny toerana avo! 34Magnazatsa ny tagnako ho amin'ny ady i eko ny sandriko hamoritsa ny tsipika varahigna.35Efa nomenao anahy ny ampingan'ny famonjenao. Efa nanohagna anahy ny tagnanao ankavagnana, eko ny fankasitrahanao de naha-lihibe anahy. 36Efa nanao toerana malalaka eo ambaniko ho an'ny tongotso Agnao mba tsa hampiborisaka ny tongoko.37Nandoditsa ny fahavaloko iaho eko nahatratsa anazy reo; tsa nipody iaho mandra-paharava andreo.38 Nopotehiko reo mba tsa ahafahany miarigna; efa lavo tambanin'ny tongoko reo. 39Fa agnao nametraka hery taminahy salan'ny fehi-troka ho amin'ny ady; nataonao ambaniko reo ze nitsangagna hanohitsa anahy.40Nampiamboho ny vozon'ny fahavaloko ho anahy Agnao; drinavako reo ze nakahala anahy. 41Nikoka vonjy reo, feny tsa nisy nagnavotsa anan-dreo; nangaika an'i Yaveh reo feny tsa nanoigna I. 42Tinorotoroko majinika salan'ny vovoka alohan'ny rivotsa reo; nariako salan'ny fotaka agny an-dalagna reo.43Nagnavotsa anahy tamin'ny fifamalian'ny ona Anao. Nataonao lohan'reo firenena iaho. Manompo anahy reo ona tsa fantako. 44Lehe vo nandre anahy reo, de nankato anahy; voatery niondrika teo alohako ny mpivahiny. 45Avy am-pihorohoroana hatao amin'ny fiarovana mafin-dreo ny mpivahiny.46Velogna i Yaveh; ho deraina anie ny orimbatoko. Ho asandratsa anie ny Andriamagnitsy ny famonjena. 47I ro Andriamagnitsa ze namaly faty ho anahy, ze nanolotsa ny firinena ho ambaniko.48Afaka tamireo fahavaloko iaho! Eka tokoana, nampiakarinao ambonin'ny ze nijoro hanohitsa anahy iaho! Navotanao tamin'ny lihilahy mahery fihetsika iaho.49 Noho zey de hagnome fisaorana ho anao, amireo firinena aho, Yaveh; hihira fiderana ho an'ny agnaranao iaho!50Andriamagnitsa de nagnome fandrisena lihibe ho an'ny mpanjakany, eko nampiseha ny fifagnikem-pitokiana tamin'ny voahosony, tamin'i Davida sy reo taranany hatrin'ny ela.Chapter 19
1Ho an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'i Davida. Ny lagnitsa milaza ny voninahits' Andriamagnitsa, eko ny habakabaka mampahafantatsa ny asan'ny tagnany!2 Isan'andro sanandro de mipololotsa ny tarogna; isan'aligna de mitarogna fahalalana zao.3 Tsa misy lahateny leko tarogna voalaza; tsa re ny feon-dreo.4Miparitaka maneran-tany aby manotolo ny tarondreo, eko hatagny aparan'ny tany ny lahateniny. Efa nanangagna lay ho amin'ny masoandro tao amin-dreo I. 5 Ny masoandro de salamin'ny mpapakatsa miboaka ny efitragnony, eko salamin'ny lihilahy matanjaka sy manao ny firidiridiany.6 Mipoaka hatagny amin'ny fara-vodilagnitsa raika ny masoandro de mitety ny habakabaka ho amin'ny raika hafa; tsa misy afaka milefa ny hafanany.7Tateraka ny lalany Yaveh , magnarigna ny fagnahy ;azo; antoka ny teny vavolombelon' i Yaveh, mahendry ny tsotra.8 Mahitsy ny fampianaran'i Yaveh ; mampifalifaly ny fo; madio ny didin'i Yaveh, mitondra fahazavana ho an'ny maso.9Madio ny fahatahorana an'i Yaveh , maharitsa mandrakizay; marina sy mahitsy aby ny didy marin'i Yaveh!10 Sarobidy mihoatsa ny volamena zey. Sady mihoatsa noho ny volamena tena soa aza; mamy noho ny tately sy ny tately mitete amin'ny toho-tately zey.11Eka, amin'ny alalan'zey ro hampitandremana ny mpanomponao; fa hisy valisoa lihibodaka ny fankatoavana an'zey. 12Ia ro afaka mamatatsa ny fahadisoany aby? Sasao amireo heloka misitrika iaho.13Tandremo ny mpanomponao tsa ho hazan'ny ota sahisahy; Aza avela hanapaka anahy reo. De ho tateraka iaho, de tsa hanatsigny amin'ny fandikan-dalana be. 14Ho ikena eo imasonao reo raha tarognin'ny vavako sy ny fihevitsy ny foko, Ra Yaveh, vatolapiko sy pagnavotso.Chapter 20
1Ho an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'i Davida. Hagnampy anao amin'ny androm-pahorianao anie Yaveh; ny agnaran'Andriamagnits'i Jakoba anie hiaro anao 2eko handefa fagnampina hataminh'ny toerana masina mba hanohagnana anao hatao Ziona.3Ho tsaroany anie reofagnatitsao eko ho ikeny aby ny sorognanao dinoro. Sela.4 Hagnome anao ze irin'ny fonao anie I eko hagnatanteraka reo fikasanao aby.5De hifaly amin'ny fandresenao agnay, eko amin'ny agnaran'Andriamagnitsay, root hanangagnanay faneva. Hagnome ze fangatahanao aby anie Yaveh. 6Fantako amizao fa hagnavotsa ny ona voahosotsany; hamaly Anazy hatagny an-dagnitsin'ny fahamasignana amin'ny herin'ny tagnany havagnana ze afaka nagnavotsa anazy I.7Ny zanany mitoky amin'ny kalesi eko ny hafa amin'ny soavaly, fa agnay de nangaika an' i Yaveh Andriamagnitsay.8 Ho ferina mirorogna reo ko de lavo, fa atsika de hitarogna hijoro mahitsy!9Yaveh, vonjeo ny mpanjaka; ampio agnay lehe mangaika.Chapter 21
1Ho an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'i Davida. Mifaly amin'ny herinao ny mpanjaka, Yaveh! Akory ny halehiben'ny hafaleany amin'ny famonjena nomenao!2 Nagnome anazy fagnirian'ny Tony eko tsa nolavinao by fangatahan'ny molony. Sela3Feny mitondra fitahiana be ho anazy Agnao;nametraka satro-boninahitsa volamena madio ndrindra teo an-dohany 4Agnao.Nangataka aigna taminao i;de nagnome anazy Agnao; nomenao andro be mandrakizay dpria i.5Lihibe nohon'ny fandresenao ny voninahiny; efa nagnome famirapiratana sy voninahitsa ho anazy Agnao. 6Fa magnome antoka fitahiana maharitsa ho anazy Agnao; mampiravoravo anazy amin'ny hafalean'ny fagnatrehanao Agnao.7Fa matoky an'i Yaveh ny mpanjaka; amin'ny alalan'ny fagnikena mahatokin'ny Avo Indrindra ro tsa hagnala anazy.8 Hanambotsa ny fahavalonao aby ny tagnanao; hanambotsa an'ny ze mankahala anao ny tagnanao havagnana.9Amin'ny fotoagnan'ny fahatizeranao, de handoro andreo ao amin'ny lafaoro mirehitsa Agnao. 10Handevogna andreo ao amin'ny fahatizerany i Yaveh, eko handevogna andreo amin'ny afo. hamotika ny zana-dreo amin'ny tany sy ny tarana-dreo eo agnivon'ny olombelogna Agnao.11Fa nikasa hagnisy ratsy anao reo; namolavola teti-dratsy ze tsa hahom-biazany reo! 12Fa hampiamboho andreo Agnao; hamotika ny tsipikanao eo alohan-dreo Agnao.13Misandrata, roa Yaveh, amin'ny herinao hihira sy hidera ny herinao agnay.Chapter 22Ho an'ny mpiventy hira; natao tamin'ny "Gadon'ny Diera." Salamo nataon'i Davida.
1Andriamagnitso o, Andriamagnitso o, nahoana ro namela anahy Agnao? Nahoana ro lavotsa loatsa amin'ny famonjena anahy Agnao eko lavitsa amin'ny tenin'ny fangirifiriako?2 Andriamagnitso o, nitaraigna taminao an'iaho sy toandro,nefa tsa vinalinao, eko sy aligna de tsa nangina iaho!3Feny masina Agnao; mitoatsa salan'ny mpanjaka amin'ny fideran'nyIsraely Agnao. 4Natoky Anao ny razambenay; natoky Anao reo,ko novinonjinao.5 Nitaraigna taminao reo de novonjena. Natoky Anao reo ko de tsa mba diso fagnatignana.6Nefa kakagna iaho fa tsa mba ona, fahafaham-baraka ho an'olombelogna eko nataon'ona tsa misy fotony. 7Reo aby ze mahita anahy de mitarogna ratsy anahy; esoan-dreo iaho; eko magnifikifi-doha aminahy reo.8 Hoy reo:" Matoky an'i Yaveh i; avilao hagnavotsa anazy Yaveh. Avilao I hagnavotsa anazy, fa akasitrahiny i."9Fa agnao ro nitondra anahy hatao an-troka; nataonao matoky Anaoi aho fony tan-tratran-dreniko. 10Natoraka taminao iaho hatagny an-trokan-dreniko; Agnao ro Andriamagnitso hatamin'iaho tan-trokan-dreniko!11Aza magnalavitsa anahy,fa mariny ny fahoriana; tsa misy ina hagnampy anahy. 12Magnodidigna anahy ny ombilahy masiakan'ny Basana. 13Hamihagnahagna ny vavany aminahy salan'ny liona mierogna mandrapaka ny rembiny reo.14Nararaka salan'ny rano iaho, eko nipitsoka aby ny tolako. Salamin'ny savoka ny foko; miepo ao agnatiko zey.15 Maigna salamin'ny vilagny tany ny heriko; mirekitsa amin'ny lagnilagniko ny lelako. nampandry anahy teo amin'ny vovoky ny fahafatesana Agnao.16Fa nagnodidigna anahy ny amboa; efa magnodidigna anahy ny vondrn'ny mpanao ratsy; noloahin-dreo ny tagnako sy ny tongoko. 17Voaisako aby ny tolako. Mijery sy nandinika anahy reo.18Zinaran-dreo taminazy ny fitafiako; nilokan-dreo ny akanjoko.19 Aza magnalavitsa anahy, roa Yaveh; malakia roa hagnavotsa anahy, ro heriko!20Avoto amin'ny sabatsa ny fagnahiko , ny sisa fiaignako amin'ny andian'amboadia. 21Vonjeo amin'ny vavan'ny liona iaho; avoto amin'ny tandroky ny ombidia iaho.22Hilaza ny agnaraonao amin'ny rahalahiko iaho; eo apovoan'ny fiangonana ro hiderako Anao. 23Agnareo matahotsa an'i Yaveh, midera Anazy! Agnareo taranak'i jakoba aby manotolo, magnomeza voninahitsa Anazy! Mijoroa am-pitalanjognana Aminazy, agnareo taranak'Israely aby manotolo.24Fa tsa manao tsinotsinona na mankahala ny ona ory I; tsa nanitrika ny tavany taminazy i Yaveh; lehe nitaraigna taminazy ny ona ory, de nahare I.25 Ny fiderako de ho Anao ao am-piangonana lihibe; hagnatanteraka reo voadiko alohan'ny ze matahotsa Anazy iaho.26Ny ory de hihinana eko ho afa-po; reo ze mitadia an'i Yaveh hidera Anazy. Ho velogna mndrakizay anie ny fonareo.27 Hahatsiaro eko hipody amin'i Yaveh reo vahoaka aby amin'ny tany; hiakohoka eo agnatrehanao reo fianakaviam-pirenena aby manotolo.28Fa an'i Yaveh ny fanjakana; I ro mpanapaka reo firenena. 29Ny ona mpanan-karena aby de hiravoravo sy hidera; hiankohoka eo agnatrehanao aby reo ze hody vovoka,reo ze tsa afaka miaro ny ain-dreo.30Ny taranaka ho avy de hanompo Anazy, hotarogna amin'ny taranaka magnaraka ny amin'ny Tompo reo. 31Ho avy reo eko hilaza ny fahamarinany; hilaza amin'ona vona tsa teraka ze efa nataony reo!Chapter 23Salamo nataon'i Davida.
1Yaveh ro Mpiandry anahy; tsa hanan-java mahory aho. 2mampandry anahy amin'ny ahi-maintso I; mitarika anahy amoron'ny rano fialan-tsasatra I.3mamelombelogna ny aiko I; mitarika anahy agny amin'ny lalagna marina noho ny amin'ny agnarany I.4Leko de mandeha mamakivaky ny lohasaha aloky ny fahafatesana aza aho. De tsa hatahotsa loza aho fa Agnao momba anahy; ny tapitsakao sy ny tehignao ro mampahery anahy.5Magnomagna latabatsa eo anoloako eo amin'ny fagnatrehandreo fahavaloko Agnao; efa magnohotsa diloilo ny lohako Agnao, ny kapoakako feno de feno.6Fahatsarana sy famindram-po tokoa ro hagnaraka ahy amin'ny androm-piaignako aby; ary hitoatsa ao an-dragnin'i Yaveh lalandava aho!Chapter 24
1Salamo nataon'i Davida. An' i Yaveh ny tany, sy ze mameno anazy, zao tontolo zao sy ze monigna ao aby manotolo.2 F'efe nampitoatsa an'izao teo ambony ranomasina I eko nagnorigna teo ambonin'ny ony.3Ia ro mianika ho agna- tendrombohitsy Yaveh? Ia ro mijoro ao amin'ny fitoerany masina? 4I ro managna tagnana madio sy fo madio; ze tsa namoron-denga, eko tsa nanao fampagnatenagna mba hamitahana.5Handray fitahiana hatamin'i Yaveh i eko fahamaringana hatamin' Andriamagnitsy ny famonjena anazy. 6Sahalan' izay ro taranak'ireo ze mitadia Anazy, de zay mitadia ny tarehin' Andriamagnits'i Jakoba. Sela7Ingao ny lohanareo, agnareo ry vavahady, ry varavaragna mandrakizay,mba hidiran'ny mpanjakan'ny voninhitsa!8 Ia ro mpanjaka ny voninahitsa? Yaveh, mahery sy mahefa; Yaveh, mahery amin'ady.9Asandrato ny lohanareo, agnareo ry vavahady ;mitsangana ry vavahady mandrakizay, mba hidiran'ny mpanjakan'ny voninahitsa !10 Ia zao mpanjakan'ny voninahitsa zao?Yaveh Tompon'ny rehagna, I ro Mpanjakan' ny voninahitsa. SelaChapter 25
1Salamo nataon'i Davida. Ho Agnao ro anandratako ny fanahiko ry Yaveh!2 Andriamagnitso o, matoky Agnao aho. Aza avela homegnatsa aho; aza avela hifaly amim-pandresena amiko reo fahavaloko. 3Tsa hisy ho megnatsa anie ny ona ze magnantena Anao, ho megnatsa anie ze manao fihetsika mamitaka tsa amin'ny antony!4Ampahafantaro ahy reo làlanao, Yaveh o; ampianaro ahy reo lalanao. 5Tariho aho ho ao amin'ny fahamarignanao ary ampianaro fa Agnao ro Andriamagnitsy ny famonjena ahy; Magnantena Agnao andro lava aho.6Tsarovy, ry Yaveh, reo asa fangirahanao sy famindram-po; fa efa nisy mandrakariva reo.7 Aza mihevitsa reo fahotan'ny fahatanorako na ny fikomiako; tsarovy amin'ny famindraponao aho nohon'ny fahasoavanao, Yaveh o!8Soa sy mahitsy Yaveh; ka mampianatsa reo mpanota ny lalana I.9 Mitarika ny manetry tena amize marina I ary mampiagnatsa azy reo ny lalany.10Reo lalan'Yaveh aby de fitiavana maharitsa sy fahatokiana ho an'ny ze mitandrigna ny fanekeny sy reo didiny mafy. 11Fa noho ny amin'ny Agnaranao, Yaveh o, de mamelà ny heloko, fa lihibe zany.12Ia ro ona matahotsa an'Yaveh? Ny Tompo ro hanoro anazy ny lalana ze tokony hosafidiany. 13 Handeha amin-kasoavana hatrany ny fiagnany; ary reo taragnany handova ny tany.14Ny finamanana amin'Yaveh de hoan'ny reo ze manome voninahitsa Anazy, ary mampahafantatsa ny fanekeny amin' izy reo I. 15Amin'Yaveh hatrany ny masoko, fa I ro hanafaka ny tongotso amin'ny harato.16 Mitodiha aminahy ary mamindra fo aminahy; fa irery sy ory aho.17Mihitatsa reo fahorian'ny foko; alao ao amin'ny fahoriako aho! 18Jireo ny fampahoriana anahy sy reo fisasarako; mamelà ny fahotako aby.19 Jireo reo fahavaloko, fa be reo; mankahala anahy amim-pankahalana lozabe reo.20Arovy ny aiko ka avoty aho; aza avela ho megnatsa aho, fa mialoka Aminao!21 Hiaro anahy anie ny tsa fivadihagna sy ny fahamarignana, satria magnatena Agnao aho.22Avoto amin'ny fahoriagna aby Israely, Androamagnitsa o!Chapter 26
1Salamo nataon'i Davida. Tsarao aho Yaveh, fa nandeha tamim-pahasahiana iaho; nahatoky an'i Yaveh tsa tamim-pisalasalana aho. 2Diniho aho, Yaveh, ery zahao toetsa aho; zahao toetsa ny fahadiovan'ny ato agnatiko sy ny foko!3 Fa ny fagnikenao mahatoky ro manoloagna ny masoko, ery mandeha eo amin'ny fahatokianao aho.4Tsa mikambagna amireo ona mpamitaka aho, na miharoharo amin'ona tsa marina.5 Halako ny fiangonan'ny mpanao ratsy, ery tsa miara-mitoatsa amin'ny ratsy fagnahy iaho.6Manasa ny tagnako amin'ny tsa fanagnan-tsigny iaho,ery mandeha magnodidigna ny alitaranao, Yaveh,7 mba hihira fiderana mahery sy hilaza ny asanao mahazendagna aby.8 Ro Yaveh, tiako ny tragno ze hitoeranao,ny toerana ze itoeran'ny voninahitsao!9Aza mandripaka anahy miaraka amin'ny mpanota, na ny aiko miaraka amin'ona liann-dra, 10eo an-tagnan'reo ze misy teti-dratsy, ery eo amin'ze feno kolikoly ny tagnany ankavagnana11Fa iaho kosa , handeha amin'ny fahitsiana iaho; avoto iaho eko mamindra fo aminahy. 12Mitsangana eo amin'ny tany marina ny tongoko; eo amin'ny fiangonana ro hiderako an'Yaveh!Chapter 27
1Salamo nataon'i Davida. Yaveh ro fahazavako sy famonjeko; ia ro hatahorako? Yaveh ro fialofan'ny aiko; ia ro tokony hatahorako?2Lehe magnatogna handrotika ny nofoko reo mpanao ratsy,reop mpandrafy anahy sy reo fahavaloko de totoitsa ko lavo.3 Leko de misy tafika mitoby hanohitsa anahy aza,de tsa hatahotsa ny foko; leko de misy ady hanohitsa anahy, na amin'zey aza de hiegnina mahatoky iaho.4Raha raika ro nangatahako tamin'i Yaveh , eko hitadia an'ny zay iaho: mba hahafahako mitoatsa an-dragnon'i Yaveh ao mandritsa ny andro aby iaignako, mba hahita ny fahasoavan'i Yaveh sy ny hisaintsaignany ao an-tempoliny.5Fa amin'ny andro fahoriako de hanitrika anahy eo amin'ny fialofany I;eo amin'ny saron'ny lainy ro hanitrihany anahy. Hagnakatsa anahy ho egny amin'ny vatolamy I! 6Eko ny lohako de hasandratsa eo ambonin'ny fahavaloko magnodidigna anahy aby, hanolotsa reo fagnati-pisorom-pifaliana an-dainy iaho! Hihira sy hanao hira ho an'i Yaveh iaho!7Mihinoa ny feoko,Yaveh,sy mangaika mahery iaho! Mamindrà fo aminahy, eko valio iaho! 8Mitarogna momba anao ny foko hoe: " Tadiavo ny tavany!" Mitadia ny tavanao iaho, Yaveh!9Aza manitrika ny tavanao aminahy; aza mamily ny mpanomponao am-pahasosorana! Agnao ro efa nagnampy anahy; aza mahafoy na mamela anahy, Andriamagnitsy ny famonjeko! 10Fa na mahafoy anahy aza ny raiko sy ny reniko, Yaveh ro handray anahy.11Ampianaro anahy ny lalanao, Yaveh! Tariho amin'ny lalagna marina aho noho ny fahavaloko. 12Aza manary anahy ho amin'ny fanirian'ny fahavaloko, fa reo vavolombelogna sandoka mitsangagna hanohitsa anahy, eko miaigna herisetra reo!13Ina ro nanjo anahy lehe tsa nino aho fa iaho de hahita ny fahasoavan'i Yaveh eo amin'ny tany honegnana? 14Miandrasa an'i Yaveh; eko matanjaha, oka ny fonao hahery! Miandrasa an'i Yaveh!Chapter 28
1Salamo nataon'i Davida.Hikoka mahery ho aminao aho, Yaveh; vatolampiko, aza atao tsinotsinona iaho. Lehe tsa mamaly anahy Agnao, de hiaraha amin-dreo ze mirorogna am-pasagna iaho. 2Hino ny feon'ny fitaraignako lehe mitadia fagnampiana avy aminao iaho, lehe manandratsa ny tagnako magnandreha ny fitoeranao masina indrindra iaho!3Aza manitogna anahy hiala miaraka amin'ny ratsy fagnahy, ze manao heloka, ze manognona fiadagnana amin'ny naman-dreo feny managna faharatsiana ao am-pon-dreo. 4Omeo an-dreo ny sahaza ny asan-dreo eko valio ze takian'ny faharatsiam-pagnahiny, valio reo ny amin'ny asan'ny tagnan-dreo, valio ze sahaza an-dreo. 5Satria tsa takany reo asan'i Yaveh na ny asan'ny tagnany,hanimba andreo i ery tsa hanangagna andreo koa.6Deraina anie Yaveh satria efa nahena ny feon'ny fitaraignako I!7 Yaveh ro heriko sy ampingako; ny foko matoky Anazy, de apena aho. Noho zey de ravoravo fatratsa ny foko,eko iaho hidera Anazy amin'ny fihirana. 8Yaveh ro herin'onany, eko I ro fialofana famonjen'ny raika voahosony.Vonjeo ny vahoakanao eko tyahio ny lovanao. Meteza ho mpiandry ondriny eko fero mandrakizay reo.Chapter 29
1Salamo nataon'i Davida. Magnomeza fiderana ho an'i Yaveh , agnareo ra zanak'Andriamagnitsa! Magnomeza fiderana ho an'i Yaveh noho ny voninahiny sy ny heriny. 2Omeo an'i Yaveh ny voninahitsa ze mendrika ny agnarany. Mihohofa amin'i Yaveh amin' y famirapiratan'ny fahamasignany.3Ny feon'i Yaveh de re egny ambonin'ny rano be; ly Andriamagnitsa ny voninahitsy ny voninahitsa ro mampikotrokotroka, eko Yaveh ro mampikotroka ny rano be.4 Ny feon'i Yaveh de mahery ; ny feon'i Yaveh de be voninahitsa.5 Ny feon'i Yaveh de mamaky ny sedera; eko tinorotoron'i Yaveh ny sedera agny Libanona.6Mampitsititsitika an'i Libanona salan'ny zanak'omby eko Siriona salan'ny vatots'omby. 7Ny feon'i Yaveh mampienga lelafo. 8Ny feon'i Yaveh mampihozongozogna ny tany efitsa ; Yaveh mampihozongozogna ny efitsy Kadesy.9Ny feon'i Yaveh de mahatonga hazo Terebinta hihetsika ko nagnofy reo hoditsy ny ala. Ny ona aby agny an-tempoly mitarogna hoe: " voninahitsa!" 10Yaveh mitoatsa salan'ny mpanjaka eo amin'ny tondra-drano; Yaveh mitoatsa salan'ny mpanjaka mandrakizay.11Yaveh de magnome hery ny anany; Yaveh miaro ny onany amin'ny fadagnana.Chapter 30
1Salamo; hira amin'ny fanoloran-tena ho an'ny tempoly. Salamo nataon'i Davida. Hanandratsa Anao aho, Yaveh , fa nanangagna anahy Agnao eko tsa hamela reo fahavaloko hiravoravo eo aminahy. 2Yaveh Andriamagnitso, nangaika ny famonjenao aho, eko nagnasitragna anahy Agnao. 3Yaveh, nitondra ny fagnahiko nagnanika hatagny amin'ny fiainan-tsa hita Agnao; eko nitahiry anahy ho velogna tsa hirorogna agnam-pasagna.4Mihira fiderana ho an'i Yaveh, agnareo ra vahoakany mahatoky! Magnomeza fisaorana lehe mahatsiahy ny fahamasinany agnareo. 5Fa ny fahatezerany de vetivety hiany (monja); fa ny fankasitrahany de mandritsan'ny androm-piaignany. Avy ny fitomagniana amin'ny aligna, fa ny fifaliana avy sy maraigna.6Am-pahatokiana ro nilazako hoe: " Tsa mba hangozohozo mandrakizay iaho."7 Yaveh,nohon'ny fankasitrahana de nanao anhy ho salan'ny tyendrombohitsa matanjaka Agnao; de ory iaho.8 Nangaika Anao iaho, Yaveh, eko nitadia sitraka avy amin 'ny Tompoko!9Ina ro tombony amin'ny fahafatesako, lehe handeha hirorogna agny am-pasagna iaho? Hidera Anao ve ny vavako? Hagnambara ny fahamendreham-pahatokisanao ve zay?10 Mihinoa, Yaveh, eko mamindra fo aminahy! Yaveh, miteza ho mpagnampy anahy.11Namadika ny fisaonako ho fandihizana Agnao; nagnala ny akanjo fisaonako Agnao eko nampitafy anahy tamin'ny fifaliana.12 Ko zizao ny voninahitso de hihira fiderana ho Anao eko tsa hangina; Yaveh Andriamagnitso, hagnome fisaorana Anao mandrakizay iaho!Chapter 31
1Ho an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'i Davida. Aminao, Yaveh,ro hialofako; aza avela ho afa-baraka iaho. Avoto amin'ny fahamarinanao iaho.2 Mihinoa anahy; malakia hagnavotsa anahy; miteza ho vatolampy fialofako, fiarovana mahery hamonjy anahy.3Fa vatolampy sy fiarovana mahery ho anahy Agnao; ko nohon'ny amin'ny agnaranao, tariho sy tatano aho. 4Sotogno hiala amin'ny harato ze nasitrin-dreo ho anahy iaho, fa Agnao ro fiualofako.5Eo an-tagnanao ro agnakignako ny fagnahiko; hagnavotsa anahy Agnao, Yaveh, Andriamagnitsy ny fahamendreham-pitokiana. 6Halako ze manompo sampy raha foagna, fa iaho hatoky an'i Yaveh. 7Hifaly sy hiravoravo amin'ny fagnikenao mahatoky iaho, fa Agnao ro nahita ny fahoriako; fantatsao ny fahorian'ny fagnahiko.8Tsa nagnome ho eo an-tagnan'ny fahavaloko aho. Nametraka ny tongoko ho eo amin'ny tany malalaka Agnao.9 Mamindra fo aminahy, Yaveh, fa agnatin'ny fahoriana aho; miha-rokaky ny alahelo ny masoko miaraka amin'ny fagnahiko sy ny vatako.10Fa ny aiko de rokaka ny alahelo eko ny taognako nohon'ny fisentoako. Lefy ny heriko nohon'ny fahotako, eko ny tolako de mihalany. 11Noho ny fahavaloko, de manao tsinotsinona anahy aby ny ona; ny mpiray monigna aminahy mandriandriagna amin'ny manjo anahy; eko ze mahafantatsa anahy de mivarahotsagna. Reo ze mahita anahy egny an-dalagna milefa anahy.12Hadigno salan'ny ona amaty ze tsa misy mpieritseritsa aho. Salamin'ny vilagny vaky aho. 13Fa reko ny bitsibitsiky ny ona rehagna, reo vaovao mampatahotsa hategny an-kalalahana egny satria reo miray tetika hanohiotsa anahy. Mitetika ny hagnalaka ny aiko reo.14Fa matoky Anao iaho, Yaveh;hoy iaho hoe: " Andriamagnitso Agnao." 15Ny anjarako de eo sn-tagnanao. Avoto amin'ny fahavaloko sy reo ze magnenjika anahy iaho. 16Ampamirapirato amin'ny mpanomponao ny tavanao; avoto amin'ny fagnikenao mahatoky iaho.17Aza avela ho megnatsa aho, Yaveh; fa mangaika Anao iaho! Hangina agny amin'ny fiainan-tsa hita anie reo. 18Oka ny somy mandenga hangina ze miresaka hanohitsa ny fahamarinana amim-pihatsiana miaraka amin'ny fiavognavognana sy ny fagnamavoana.19Endriaho ny fahasoavanao ze notehirizinao ho an'ze nagnaja anao, ze tanterahinao amin'ze mialoka aminao manoloagna reo zanak'olombelogna aby!20 Eo amin'ny fialofan'ny teti-dratsin'ona.Manitrika andreo fialofana amin'ny herisetran'ny lela Agnao.21Ho deraina anie Yaveh, fa nanoro ny fagnikeny mahatoky mahagaga I lehe tao agnatin'ny tanana voafahirano aho. 22Leko de nitarogna tamin'ny fahatairako aza aho hoe: " Nalaina tsa ho eo imasonao aho," eka vona mandre ny fitaraignako famonjena Agnao lehe nangaika Anao iaho.23Tiava an'i Yaveh, agnareo ra mpagnara-dia mahatoky, fa mamaly tateraka ny mpiavognavogna. 24Mahereza sy mahatanjaha,agnareo ze matoky an'i Yaveh amin'ny famonjena aby.Chapter 32
1Salamo nataon'i Davida. Masikila. Tretrika ny ona ze voavela heloka, sy ze voasarogna ny fahotany. 2Tretrika ny ona ze tsa meloka teo amin'i Yaveh sy reo ze tsa misy fitaka ny fagnahiny.3Sy nangina aho, de nihalany ny taolako, lehe nitaraigna nandritsin'ny tontolo andro aho.4 Navesatsa taminahy andro amagn'aligna ny tagnanao. Nalazo salan'ny amin'ny lohataogna maigna ny tanjako. Sela5De nampahafantariko Anao ny fahotako, eko tsa nasitriko koa ny heloko. Hoy iaho: "Hagnambara reo hadisoako amin'i Yaveh iaho," de navelanao ny helokin'ny fahotako. Fiatsoana sy fiderana. 6Noho zey, ze arak'Andriamagnitsa de tokony hivavaka Aminao amin'ny fotoagnan'ny fahoriam-be. Eko sy manonja mahery ny rano,de tsa hahazo reo ona reo zey.7Agnao ro toerana fisitrihako; hiambigna anahy amin'ny fahoriana Agnao. Hodidigninao amin'ny hiram-pandresena aho. Fiatoana sy fiderana. 8Hanoro lalagna anao sy hampianatsa anao amin'ze lalagna tokony handihananao Aho. Hanoro lalagna anao Aho eko hitsinjo anao ny masoko.9Aza manahaka ny soavaly na ny ampondra, ze tsa managna fahazavan-tsaigna; fa amin'ny lamboridy sy fizera hiany ro hifehezana anazy handeha agny amin'ny tianao hitondrana anazy. 10Managna olagna be ny ratsy fagnahy, fa fagnikena mahatokin'i Yaveh kosa ro hagnodidigna ze ona mahatoky Anazy.11Mifalia amin'i Yaveh, eko miravoa, agnareo ramarina; manaova feo fifaliana, agnareo aby ze mahitsy am-po.Chapter 33
1Mifalea ao amin' i Yaveh, agnareo ry olo-marina, ny fiderana de mendrika ho an'ny mahitsy. 2Misaora an'i Yaveh amin'ny lokanga ; mihira fiderana ho Anazy amin'ny valiha tory folo.3 Mihira fihiram-baovao ho an'Anazy mitendre soa sady mihira am-pifaleana.4Fa mahitsy ny tenin'i Yaveh, ro ara-drariny ny raha aby ataony.5 Tea fahamarignana sy rariny I. Heniky ny famindram-pon'i Yaveh ny tany.6 Tamin'ny tarognan'i Yaveh no namorognana ny lanitsa , ary ny kitagna aby de natao tamin'ny fofon'ain'ny vavany.7Magnangogna ny ranon'ny ranomasigna aby tahaka ny antotan-draha I, ataony ao amin,ny fitehirizan-drano ny ranomasimbe. 8Aoka hataotra an'Yaveh ny tany aby; aoka hijoro ampitalamjognana aminin'azy ny mponigna amin,ny tany aby. 9Fa nitarogna I, dia tanteraka izay; nandidy I, dia tafatoatsa aby.10Yaveh magnafoagna ny fifagnarahan'ireo firenena, manapaka ambinin'ny fikasan'onam-be I. Maharitsa mandrakizay ny fagnirian'Yaveh,11 ny fikasan'ny fony ho an'ny taranaka aby. 12Tretrika ny firenena ze managna an'Yaveh ho Andriamagniny, de ny ona ze nofidiany ho lovany.13Mijery hategny amin'ny lagnitsa i Yaveh; mahita ny ona aby I. 14hategny amin'ny toerana ze hitoerany ro hitizany ze miaigna ambonin'ny tany. 15I ro mamolavola ny fondreo ro mandinika ny asan-dreo aby.16Tsa misy mpanjaka voavonjin'ny tafika lihibe zao, ko ny lihilahy mpiady de tsa voavonjin'ny halihiben'ny heriny. 17Ny soavaly de fiarovan-diso ho an'ny fandrisena; leko eo aza ny tanjony lihibe, de tsa afaka mamonjy i.18Indro, ny mason'Yaveh de aniv'ny ze matahotsa Anazy; Amin'ny ze magnategna ny famindrampony mahatoky 19mba hagnafaka ny ain-dreo amin'ny fahafatesana, eko mba hamelogna andreo amin'ny fotoan'ny mosary.20 Miandry an'i Yaveh atsika, I ro famonjena sy ampinga.21 Mifaly aminy ny fotsika, satria mahatoky ny agnarany masina atsika.22ôka ny famindram-ponao mahatoky, ry Yaveh, homba anay araka ny fampitoeranay ny fagnatenanay Aminao.Chapter 34
1Salamo nataon'i Davida; tamin'i nody gegy teo alohan'o Abimeleka, zey nandroaka anazy.Hidera an'i Yaveh amin'ny fotoagna manotolo aho. Ho eo ambavako mandrakariva ny fiderana Anazy.2Hidera an'i Yaveh iaho! Aoka ny ory handre ko hifaly. 3Miaraha midera an'i Yaveh aminahy.Ndao hiara-hanandratsa ny agnarany atsika.4Nitadia an'i Yaveh iaho de namaly anahy I, ko nagnome anahy fandrisena tamin'ny tahotsa manotolo. 5Izey mijery Anazy de mamirapiratsa, eko tsa megnatsa ny endri-dreo.6 Tito lihilahy ory tito nitagny eko de nandre i Yaveh ko nagnavotsa anazy fakoriany aby manotolo.7Mitoby eo amin'ny ze matahotsa Anazy ny Anjelin'i Yaveh ko mamonjy andreo. 8Andramo ko zahao fa soa Yaveh. Sambatsa ny ona ze mialoka Aminazy.9 Matahora an'i Yaveh agnareo ona masina. Tsa hanan-draha mahory ze matahotsa Anazy.10Sy ndraika tsa ampy hanina ny liona tanora ko matin'ny noana, fa ze mitadia an'i Yaveh tsa ho orin-draha soa. Avia,zanako, taino aho. 11 Hampiantsa anao ny fatahorana an'i Yaveh iaho.12Ia ro ona magniry fiaignana sy te andro be, mba hahita soa? 13ko ambeno amin'ny ratsy ny lelanaoeko ambeno amin'ny filazana lenga molotsao. 14Halaviro ny ratsy ko manova ny soa. Mitadiava fiadagnana ko araho zay.15Ny mason'i Yaveh de amin'ze manao ny marina eko ny sofiny mitongilagna amin'ny tagnin-dreo.16 Ny tarehin'i Yaveh de manohitsa ze manao ny ratsy, mba hagnongotana ny fahatsiarovana anazy eto ambony tany. 17Mitaraigna ny ona marina ko mandre an'i Yaveh mamonjy andreo amin'ny fariany manotolo.18Marinin'ny torotoro fo Yaveh, eko mamonjy ny torotoro fagnahy. 19Be ny olagnan'ny marina , nefa magnafaka andreo amizao raha aby zao Yaveh.20 Mitagna ny taolany manotolo I. Tsa hisy tapaka zao leko raika azsa.21Hamono ny ratsy fagnahy ny loza. Ho voaheloka aby ze mankahala ny marina.22 Mamonjy ny ain'ny mpanompony Yaveh. Tsa hisybho voaheloka ze mialoka aminazy.Chapter 35
1Salamop nataon'i Davida. Yaveh, miasà amin'ny ze miasa hanohitsa anahy;2 Reso ny ampinga kitika sy ny ampinga lihibenao; mitsangana ko ampeo aho.3 Ampiasao amin'ny ze mihaza anahy ny lefogna sy ny famaky fiadianao; tarogno amin'ny fagnahiko hoa: "Iaho ro famonjena anao."4Avilao ho megnatsa sy ho afa-baraka reo ze mitadia ny aiko. Avilao hihemotsa sy ho very hevitsa reo ze mitetika hagnisy ratsy anahy.5 Avilao ho salan'ny akofa (ampombo) agnatin'ny rivotsa reo, lehe mitondra anazy reo anjelin'i Yaveh. 6Avilao ho mezigna sy malama ny lalan-dreo, sy mandoditsa andreo ny anjelin'i Yaveh.7Mametraka harato ho anahy tsa amin'ny antony reo, mihady lavaka ho an'ny aiko tsa amin'ny antony reo.8 Avilao hamely tampoka andreo ny fandringanana. Avilao ny harato ze napetrandreo mba hanambotsa andreo hiany. Avilao reo higetraka ao, amin'ny faharavany.9Nefa hifaly amin'i Yaveh iaho, eko hiravo amin'ny famonjeny. 10Ny taolako aby hitarogna hoe: " Ra Yaveh, ia ro sahalanao, ze mamonjy ny ory amin'ny ze matanjaka loatsa ho andreo sy ny malahelo eko ny mahantra amin'reo ze mitadia handroba andreo?"11Mitsangagna ny vavolombelogna tsa marina; miampanga lenga anahy reo.12 Mamaly ratsy anahy amin'ny soa ataoko reo. Malahelo iaho.13Feny, sy narary reo, de nanao akanjo fisaonana aho; nifady hanina ho andreo tamin'ny fagnondrehana ny lohako teo amin'ny tratrako iaho. 14Ny alaheloko andreo de salamin'ny alaheloko ny rahalahiko, nitagnondrika salamin'ny misaona io aho.15Nefa sy lavo aho, de faly reo sady nivory; niaraka nivory hanohitsa anahy reo, de taitsa aho. Tsa niegnina namely anahy reo. 16Tsa misy fifagnajagna koa ro nagnesoany anahy; nihidy vazagna taminahy reo.17Tompo o, mandra-pahoviana ro hitazagnanao anahy? Vonjeo amin'ny fandringanan-dreo ny fagnahiko, eko ny aiko amin'nyu liogna. 18De hisaotsa Anao eo amin'ny fiangonan-dehibe iaho; hidera anao eo amin'ny onam-be aho.19Aoka tsa hifaly aminahy ny fahavaloko mpamitaka; aoka reo tsa hahatanteraka reo teti-dratsiny. 20Fa raha tsa miresaka fiadagnana reo, nefa mitetika hilaza fitaka hanohitsa reo ze miaigna am-piadagnana amin'ny taniny.21Mitagnatagna vava hivazavaza anahy reo; hoy reo hoe:"Aha, aha, ny masonay ro efa nahita an'izey." 22Efa an'zay Agnao, Yaveh, aza mangigna ; Tompo, aza magnalavitsa anahy. 23Misandrata ho anahy eko mifohaza hiaro anahy; Andriamagnitso sy Tompoko, tohagno ny adiko.24Arovo aho, Yaveh Andriamagnitso, noho ny fahamarinanao; aoka tsa himehy anahy reo. 25Aoka reo tsa hanao anakam-po hoe: " Aha, azonay ze nirianay." Aoka reo tsa hanao hoe; " Efa nolevogninay i." 26Aoka ho megnatsa sy ho very hevitsa reo ze te hagnisy ratsy anahy. aoka hitafy hegnatsa sy fahafaham-baraka reo ze magneso anahy.27Aoka hikoka am-pifalena sy ho ravo reo ze nararyny fahamarignako; aoka reo hitarogna mandrakariva hoe: " Hoderaina anie Yaveh, I ro makasitraka ny fiadagnan'ny mpanompony." 28De hilaza ny fahamarinanao sy hidera Anao amin'ny androko aby iahoChapter 36Ho an'ny mpiventy hira . Salamo nataon'i Davida mpanompon'i Yaveh.
1Hatao am-pony laligna ro hilazan'ona ratsy ny helony, tsa misy fahatahorana an'Andriamagnitsa eo amin'ny masony. 2Fa mampionon-tegna i, mihevitsa fa tsa ho voasarogna sy ho hankahalaina ny fahotany.3Ny tarognany de fahotana sy fitaka; tsa te ho hendry sy hanao soa i. 4Mitadia fomba hanotana i, lehe mandry eo am-pandrena; manomboka manao raha ratsy i; tsa magnary ny ratsy i.5Ny fagnikenao mahatoky, Yaveh, de mipaka amin'ny lagnitsa; eko ny tsa fivadihanao de mipaka amin'ny rahogna. 6Ny fahamarinanao de salan'ny tendrombohits'Andriamagnitsa; ny fitsaranao de salamin'nylalim-be. Yaveh, Agnao ro mamonjy ny olombelogna sy reo biby.7Endriaho e ny hasarobidin'ny fagnikenao mahatoky, Andriamagnitsa ! Mialoka eo ambany aloky ny elatso ny olombelogna. 8Ho afa-po amin'ny haben'ny hanina an-dragnony ao reo; hamela andreo hisotro amin'ny renirenon'ny fitahianao sarobidy Agnao.9 Fa Aminao ro misy ny loharanon'aigna ; ao amin'ny fahazavanao ro hahitanay fahazavana.10Hitaro tanteraka amin'reo ze mahafantatsa Anao ny fagnekeko mahatoky, ny fiarovanao amin'ze mahintsy fo. 11Aza avela hagnatogna anahy ny tongotsin'ny mpiavognavogna. Aza avela handroaka anahy ny tagnan'ny ratsy fagnahy.12 Tegny ro efa nigitrahan'ny mpanao ratsy; nalavondreo de tsa afaka niarigna.Chapter 37
1Salamo nataon'i Davida. Aza masiaka noho reo mpanao ratsy; aza magniry reo ze manao ny tsa marina.2 Fa ho maigna tsa ho ela salamin'ny ahitsa reo eko halazo salamin'ny raha mitsiry3Matokia an'i Yaveh eko manaova ny soa; monegna egny amin'ny tany eko ampitombo ny fahatokiana.4 Eko eo mankasitraka an'i Yaveh, de homeny anao ze irian'ny fonao.5Akino amin'i Yaveh ny lalanao; matokia Anazy, de hiasa ho anao I. 6Hampiseho ny fahamarinanao salamin'ny mazava I eko ny rariny salamin'ny andro amin'ny mitataovovonana.7Mitombegna alohan'i Yaveh eko miandraza Anazy am-paharetana. Aza masiaka lehe misy ona mahomby amin'ny raha ataony, leko manao teti-dratsy i.8Aza masiaka sy kivy. Aza matahotsa.Mahatonga korotagna fotsiny zey. 9Ho tapahana reo mpanao ratsy, fa reo ze miandry an'i Yaveh kosa de handova ny tany. 10Afaka fotoagna fohy de hanjavogna ny ona ratsy; hijery eo amin'ny toerany agnao, fa i de ho roso.11Fa ny malemy fagnahy de handova ny tany eko hisitraka amin'ny fagnambinana lihibe. 12Ny lihilahy ratsy fagnahy de manao teti-dratsy manohitsa ny marina eko magnidy ny nifiny aminazy. 13Mimehy anazy ny Tompo, satria hitany fa avy ny androny.14Namoaka ny sabany ny ratsy fagnahy eko nagnenjagna ny tsipikany reo tamin'ny opry sy ny mahantra, mba hamono an'ze mahintsy. 15Handefogna ny fon-dreo manokana ny sabatsan-dreo, eko ho simba ny tsipikan-dreo.16Soa lavitsa ny kely anagnan'ny marina noho ny hamaroany an'ny ona ratsy. 17Fa ho tapahana ny tagnan'ona ratsy fagnahy, satria Yaveh manohana ny ona marina.18Yaveh mijery isan'andro isan'andro an'reo tsa manan-tsigny, eko ny lovan-dreo de ho mandrakizay. 19Tsa ho megnatsa reo sy ratsy ny andro. Sy avy ny mosary, de hanagna ny ampy ho hanina reo.20Tsa ho maty ratsy fagnahy. Ho salamin'ny voninahitsy ny saha reo fahavalon'i Yaveh; ho levogna reo eko ho levogna ho setroka. 21Ny ona ratsy fagnahy de mindragna fa tsa magnapody, fa ny ona marina kosa makaka-tagnana sy magnome.22Ze notahian'Andriamagnitsa de handova ny tany; reo ze ozogniny de ho tapahina.23 Amin'ny alalan'i Yaveh ro hametrahana ny dian'ona , ny ona ze azo bekoana eo imason'Andrioamagnitsa ny lalany.24 Leko de totoitsa aza i, de tsa mba higetraka, satria mitagna anazy amin'ny tagnany i Yaveh.25Efa mba tanora hiany iaho feny antitsa zizao; tsa vona nahita ona marina nilavo lefogna zao iaho leko nangataka mofo ny zanany. 26Mamindra fo sy mampindragna mandrakariva i, eko ho tahiana ny taranany.27 Mialà amin'ny ratsy eko manaova ze marina ; de hilamina mandrakizay agnao.28Te fitsaràna Yaveh eko tsa mamela ny mpagnara-diany mahatoky. Voaaro mandrakizay reo, fa reo taranaky ny ratsy fagnahy kosa hotapahina. 29Handova ny tany ny marina eko tsa hiala ao mandrakizay.30 Ny vavan'ny ona marina de mitarogna fahendrena eko mampitombo fitsaràna.31Ny lalàn'ny Andriamagniny de am-pony ao; tsa ho soloaka ny tongony.32 Ny ona ratsy fagnahy de mijery ny ona marina eko mitadia ny hamono anazy. 33Tsa hagnary anazy an-tagnan'ona ratsy Yaveh leko hagnameloka anazy sy notsaraina aza i.34Miandraza an'i Yaveh eko tandremo ny lalany, de hanadratsa anao I mba ho fanagnanao ny tany. Ho hitanao ny hamongorana ny ratsy fagnahy.35Efa nahita ona ratsy fagnahy nampihorohporo ona niely salamin'ny hazo mentso amin'ny taniny iaho.36 Fa sy nandalo teo ndraika aho, de teo i. Nitadia anazy iaho, fa tsa hita i.37Araho maso ny ona tsa mivadika, eko farito ny ona marina; hisy hoavy soa ho an'onan'ny fiadagnana. 38Ho rigagna tateraka ny mpanota; tapaka ny ho avin'ona ratsy fagnahy.39Ny famonjena ny ona marina de avy hatamin'i Yaveh; miaro andreo I amin'ny fotoagnan'ny korotagna. 40Magnampy sady magnavotsa andreo i Yaveh. Magnavotsa andreo amin'ny ona ratsy I sady mamonjy andreo satria efa nialoka Taminazy reo.Chapter 38
1Salamo nataon'i Davida, mba hitondrana fahatsiarovana. Yaveh, aza mitarogna mahery anahy amin'ny fahatizeranao; aza magnasazy anahy amin'ny fahasiahanao. 2Fa mandefogna anahy ny tsipikanao, de manindry anahy ny tagnanao.3Marary nohon' ny fahatizeranao aby ny vatako raimanotolo; tsa misy fahasalamana ny taolako ao nohon'ny fahotako.4 Fa miparitaka aminahy ny heloko; enta-mavasatsa ho anahy reo5Manaitaigna ny feriko eko mamofogna tiren'ny hadalako.6 Megnatsa iaho sady afa-baraka isan'andro; misaona isan'andro lava iaho.7Fa agnatiko ao, de feno firehetana, tsa misy fahasalamana amin'ny nofoko ao.8 Rokaka aho sady torotoro tokoa; misento nohon'ny fangirifiriakn'ny foko aho.9Tompo o, fantatsao ny fagnirina laligna indrindra am-poko ao, eko tsa misy misitrika aminao ny sentoko.10 Midobodoboka ny foko, miha-malazo ny heriko, pahigna ny fahitan'ny masoko.11Ny sakaizako sy ny mpiara-mitory aminahy de magnalavitsa anahy noho ny raha misy aminahy; mijoro mihataka anahy reo namako.12 Mamelatsa fandrika ho anahy reo ze mikendry ny aiko. Reo ze mikendry ny handratsa anahy de miresaka fahapotehana ko milaza teny fitaka ny tontolon'ny androny.13Fa iaho, salamin'ona maregnina ro tsa mahare na ina na ina; salamin'ny ona moagna tsa mnitarogna ina. 14Salamin'ny lihilahy tsa mandre sy tsa managna valin-teny iaho.15Miandry Anao tokoa iaho, Yaveh; hamaly Agnao, Tompo Andriamagnitso. 16Mitarogna anizay iaho mba tsa ho faly ny fahavaloko. Lehe soloaka ny tongoko, de hanao zava-doza aminahy reo.17Fa efa totoitsa iaho, eko manaintaigna hiany. 18Mieky ny heloko iaho; magnahy ny amin'ny fahotako aho.19Nefa be reo fahavaloko; be reo mankahala anahy tsa ahon-tsa ahoana.20 Mamaly ratsy anahy reo noho ny soa ; mitoraka fiampangana anahy reo leko de nagnorika ny soa aza iaho21Aza mamela anahy, Yaveh ; Andriamagnitso, aza magnalavitsa anahy. 22Miavia malaky hamonjy anahy, Tompo mpamonjiko.Chapter 39Ho an'ny mpiventy hira, ho an'i Jedotona. Salamo nataon'i Davida.
1 Nanapa-kevitsa iaho hoa: " Hitandrigna ze tarogniko iaho mba tsa hanotako amin'ny lelako. Hamehy ny vavako iaho sy eo amin'ny fagnatrehan'ny ona ratsy."2nitagna fahangignana iaho; tsa nitarogna iaho leko de tamin'ny fitarognana ny soa aza, de nitombo ny fanaintagnako. 3 Niha -nafana ny foko; sy nihevitsa an'reo raha reo iaho, miledaleda salan'ny afo zey. De nitarogna hiany iaho sy farany.4Yaveh o, Tarogno anahy ze fatsan'ny aiko sy ny faran'ny androko sisa. Atorò anahy ny hafoezan'ny androko.5 Itito fa nataonao salan'ny sakan'ny tagnako fotsiny hiany ny androko , de salan'ny tsa mitohoka eo agnatrehanao ny androm-piaignako. Tokagna hiany fofon'ain'ona aby manotolo. Sela6Mandehandeha salamin'ny aloka tokagna ny ona aby, meka hagnango-karena aby ny ona leko tsa fatandreo aby aza ze handray an'zao.7 Eko niany ,Tompo o, ina ro andrazako? Agnao rery ro faran'ny fagnatignako.8Avoto amin'ny fahotako iaho; Aza manao anahy ho fagnakoran'ny gegy.9 Mangina iaho eko tsa afa-mamoha vava, satria Agnao ro efa nanao an'zao.10Apitraho amizay ny fagnasiam-pery anahy; manafotsa anahy ny fitsiofan'ny tagnanao.11 Sy magnafay ny ona noho ny fahotany agnao, de mandevogna ny raha iriany salan'ny kalalao; azo antoka tikoa fa fa tsa ina ny ona fa raha foagna. Sela12Hino ny fivavako, ra Yaveh, eko hino iaho; mihinoa ny tagniko! Aza anapegnana sofigna iaho, fa de salan'ny ona hafa iaho aminao, mifindra-minigna salan'ny razambeko aby. 13Alao aminahy ny sazinao mba hafahako mimehy heky alohan'ny hafatesako.Chapter 40
1Ho an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'i Davida. Niandry tamim-paharetana an'i Yaveh iaho; niheno anahy I eko nandre ny taraignako.2 Nitondra anahy hagnanika hatao an-davaka mahafandriandragna tao I, tamin'ny fotaka mandrevo tao, ko nampijoro ny tongoko tambonin'ny vatolampy I ro niaro ny diako.3Ngnisy hira vaovao tamin'ny somiko i,fiderana ho an'Andriamagnitsika. Be ro hahita anzao ko hagnome voninahitsa Anazy sy hitoky amin'i Yaveh. 4Tretrika ny ona ze manao an'i Yaveh ho tokiny sy tsa magnome voninahitsa ny mpirehareha na reo ze mpivadika aminazy ho amin'ny lenga.5Be, Yaveh Andriamagnitso, reo asa mahazendagna ze efa vitanao, eko tsa tambo isaina ny hevitsao momba anay; leko magnambara sy mitarogna an'reo iaho, de hihoatsan'izao azo isaina reo. 6Tsa mankasitraka sorogna na fagnatitsa Agnao, fa namoha ny sofiko; tsa mba nangataka fagnatitsa oroana na fagnatitsa noho ny ota Agnao.7De hoy iaho hoe: "Itito, avy iaho; voasoratsa amin'ny horognam-boky ao ny momba anahy. 8Sitrako ny hanao ny sitra-ponao, Andriamagnitsa o; ato am-poko ny lalànao."9 Efa nagnambara vaovao mahafalin'ny fahamarinanao tamin'ny fiangonan-dihibe iaho; Yaveh o, fantatsao fa tsa nangina tamin'ny fanaovana an'izay ny molotso. (ny vavako)10Tsa nakomboko tam-poko ao ny fahamarinanao; efa nolazaiko ny fahatokianao sy ny famonjenao; tsa nokombogniko tamin'ny fiangonan-dihibe ny fagnikem-pahatokianao sy ny fahamendreham-patokianao. 11Aza manakagna ny asam-pamindram-ponao tsa ho aminahy, Yaveh; aoka ny fagnikenao mahatoky sy ny fahamindreham-patokianao hiaro anahy mandrakariva.12Magnididigna anahy ny korontagna ze tsa tambo isaina; nahatratra anahy reo heloko de tsa afaka manao ina mihintsy koa iaho; be noho ny volon-dohako reo, eko rokaka ny foko. 13Mifalia , Yaveh, amin'ny fanavotana anahy; malakia roa hagnampy anahy Yaveh.14Avilao ho megnatsa sy ho diso fagnatignana reo ze mikendry ny aiko mba hagnalaka an'zay. 15Avilao ho tohigna noho ny fahafaham-barakany, reo manao ny aminahy hoe: " haka!"16Fa aoka hiravoravo sy hifaly aminao reo ze mitadia Anao; avilao ze te ny famonjenao hitarogna mandrakariva hoe: " Hoderaina anie Yaveh." 17Mahantra sy ory iaho; nefa mihevitsa ny momba anahy ny Tompo. Agnao ro famonjena ho anahy eko avy amin'ny fagnavotana anahy Agnao; aza mitaredretsa, Andriamagnitso o.Chapter 41
1Ho an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'i Davida. Sambatsa ze mahatsiaro ny soa; amin'ny androm-pahoriana, ro hanavotan'i Yaveh anazy. 2Hiaro sy hitandrigna anazy tsa ho maty Yaveh, eko de ho sambatsa eto an-tany i; tsa hamadika anazy amin'ny sitrapon'ny fahavalony Yaveh.3 Hanohagna anazy eo amin'ny fandrian'ny fijaliana Yaveh; hanao ny fandrian'ny aretina ho fandrian'ny fagnasitragnana Agnao.4Hoy iaho hoe: " Yaveh o, mamindra fo aminaky! Sitragno iaho, fa efa nanota taminao iaho."5 Mitarogna ratsy anahy reo fahavaloko, manao hoe: "Sy viana i ro ho maty eko ny agnarany ho levogna?" 6 Lehe avy mba hizaha anahy ny fahavaloko, de mitarotarom-poagna i; magnangogna reo faharatsiako i; sy mamela anahy i, de mitarogna ny faharatsiako amin'ny hafa.7Reo ze mankahala anahy de mitakoritsika mamely anahy; magnategna ny hagnisy ratsy anahy reo. 8hoy reo hoe: " Misy aretina mahery mifikitsa aminazy; zao i mandry, de tsa hitsangagna koa." 9Eka leko de ny namako aza, ze natokisako, ze nihinagna ny mofoko, de efa nanangagna ny ombalahin-tongony hanohitsa anahy.10Fa Agnao Yaveh. manàgna famindram-po aminahy de atsangano aho hahafahako mamaly andreo.11 Amizay ro hahalalako fa faly aminahy Agnao, satria tsa maharesy anahy ny fahavaloko. 12Lehe ny aminahy, de manohagna anahy amin'ny tsa fivadihako Agnao de hihazogna anahy agnatrehanao mandrakizay.Ho deraina hatamin'ny taloha ka ho mandrakizay anie Yaveh, Andriamagnits'Israely. Amen de Amena. Boky faharoaChapter 42Ho an'ny mpiventy hira. Maskilan'reo zanaka lahin'i Kora.
1Salamin'ny diera magniryu ny rano mikoriagna mahery, ro hetahetako ho Anao, Andriamagnitsa.2 Mangetaheta an'Andriamagnitsa aho, ho an'ny Andriamagnitsa velogna. Sy viana iaho ro ho avy sy hiseho eo agnatrehan'Andriamagnitsa?3Ny ranomasoko ro sakafoko andro aman'aligna, sy ny fahavaloko mitarogna aminahy isan'andro hoe: " Aia ny Andriamagnitsanareo?"4 Reto raha reto ro ro ntonga de avy an-tsaiko ao lehe mandraraka ny fagnahiko aho: endriaho ny nandehanako niaraka tamin'ny vahoaka sy nitaraignako ho andreo tan-dragnon'Andriamagnitsa tao tamin'ny hikam-pifaliana sy fiderana,fankalazana be ny firavoravoana.5Nahoana rto mitanondrika agnao ry fagnahiko? Nahoana agnao ro tohigna agnatiko ao? Magnategnà an'Andriamagnitsa, fa hidera Anazy ze famonjeko ndraika iaho. 6Andriamagnitso, ny fagnahiko de mitanondrika agnatiko ao, noho zey de mahatsiaro Anao aho avy amin'ny tanin'ny Jordana,amin'ny tendro telon'ny Tendrombohits'i Hermona, eko hatamin'ny havoan'i Mizara.7Ny laligna mangaika ny laligna ao amin'ny tabataban'ny riandranonao; ny onjanao sy ny alon-dranonao aby de nanafotsa anahy. 8Nefa Yaveh handidy ny fagnikeny mahatoky amin'ny atoandro; ny amin'ny aligna de hiaraka aminahy ny hirany, vavaka raika ho an'Andriamagnitsy ny aiko.9Iaho hitarogna amin'Andriamagnitsa, vatolampiko hoe:" Nahoana ro de nagnadigno anahy Agnao? Nahoana ro de mandeha misaona noho ny fampahorian'ny fahavalo iaho?"10 Salamin'ny fisian'ny sabatsa eo amin'ny taolako, ro itarognan'ny mpifagnandrigna aminahy anahy mahery, lehe mitarogna aminahy hiany reo hoe: " Aia ny Andriamagnitsareo?"11Nahoana ro mitanondrika agnao, ry fagnahiko? Nahoana ro tohigna ato agnatiko agnao? Magnategna an'Andriamagnitsa, fa vona hidera Anazy ze famonjena ho anahy sy Andriamagnitso ndraika iaho.Chapter 43
1Omeo rariny iaho, Andriamagnitsa o, eko iadio ny adiko hanohitsa reo firenena tsa arak'Andriamagnitsa. 2Fa Agnao ro Andriamagnitsy ny heriko. Nahoana ro nagnary anahy Agnao? Nahoana iaho ro handeha hisaona noho ny fampahorian'ny fahavalo anahy?3Alifaso ny hazavana sy ny fahamarinanao,avilao reo ro hitarika anahy. Avilao reo hitondra anahy ho agny amin'ny havoagnanao masina sy agny amin'ny fonegnanao.4 De handeha eo amin'ny alitaran'Andriamagnitsa iaho, eko amin'Andriamagnitsa ze fifaliako ndrindra. Hidera Anao amin'ny harpa iaho, Andriamagnitsa o, Andriamagnitsa o.5Nahoana ro mitanondrika agnao, ry fagnahy? Nahoana ro tohigna ato agnatiko agnao? Magnategna an'Andriamagnitsa, fa vona hidera Anazy ze famonjena ho anahy sy Andriamagnitso ndraika iaho.Chapter 44
1Ho an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'ny zanaka lahin'i Kora. Maskila. Renay tamin'ny sofinay , Andriamagnitsa o, notarognin'ny razambena taminay ny asa nataonao tamin'ny androndreo taloha.2 Drinoakanao tamin'ny tagnanao reo firenena,fa nambolenao kosa ny vahoakanay; nampahory ny ona Agnao, fa naelinao ny tagny amin'ny tany ny vahoakanay.3Fa tsa azon-dreo mba ho fanagnany tamin'ny alalan'ny saban-dreo hiany ny tany,na ny sandrin-dreo manokana eko tsa nahavonjy an-dreo;nefa ny tagnan-kavagnanao, ny sandrinao,sy ny fahazavan'ny tavanao,satria soa tamin-dreo Agnao. 4Andriamagnitsa o,Agnao ro Mpanjakako; didio ny fandresena ho an'i Jakoba.5Amin'ny alalanao ro hanindrianay reo mpifagnandrigna aminay; amin'ny alalan'ny agnaranao ro hagnosegnosenay andreo,de ze mitsangagna hanohitsa anay.6 Fa tsa hitoky amin'ny tsipikako aho,na ny fiadiako hagnavotsa anahy.7Fa efa nagnavotsa anay tamin'ny mpifaninana taminay Agnao, nampahamegnatsa ny nankahala anay. 8Ao amin'Andriamagnitsa ro efa nanaovanay ny fireharehanay amin'ny andro lava aby, eko hanolotsa ny fisaorana ny Agnaranao mandrakizay agnay. Sela9Fa amizao agnao efa nagnary anay ko mitondra anay tamin'ny fahafaham-baraka , eko tsa nienga niaraka tamin'ny tafikany Agnao.10 Nampihemotsa anay tamin'ny rafinay Agnao; ekomankahala anay nagnalaka ny harenay ho andreo.11 Nataonao sahalan'ny ondry voalahatsa ho sakafo agnay eko naelinao tamin'reo firenena reo agnay.12Mamarotsa ny vahoakanao tsa amin'ny antony agnao;tsa mampitombo ny harenao agnao tamin'ny fanaovana anzao. 13Manao anay ho fahasiahan'ny namany Agnao,esoesoana sy hanihanian'ny mpiray vodi-rindrigna nay.14 Manao anay ho fanirantsirana amin'ny firenena Agnao, de ho loham-pangovitana amin'ona aby.15Alohako eo sanandro lava ny fahafaham-baraka,eko mandrakotsa ny tarehiko ny hegnatsako, 16noho ny fahavalo sy ny mpamaly faty. 17Avy taminay aby zao raha aby zao;nefa Agnao tsa hadignonay na tsa nankatò ny fagnekem-pivavahanao.18Tsa nipody an- dalagna ny fonay; tsa niala ny nlalanao ny dianay.19 Ny amboadia aza nameno nanay tami'ny aloky ny fahafatesana.20 Lehe nagnadigno bny agnaran'Andriamagnitsa agnay na namelatsa ny tagnanay tamin'andriamagni-kafa, 21moasa mitadia an'izay ve Andriamagnitsa? Fa mahalala ny tsiambaratelon'ny fo I. 22Eka tokoa, nohon'ny Aminao ro hamonoana anay isan'andro lava; eritsiretina ho salan'ny ondry ho famonoana agnay.23Mifohaza,nahoana ro mandrimandry agnao Tompo o? Mitsangana aza magnary tateraka anay.24 Nahoana ro manitrika ny tarehinao eko magnadigno fahorianay sy ny fampahoriana anay agnao?25Fa miepo agnaty vovoka agnay; ny nofonay mifikitsa amin'ny tany.26 Mitsangàna ho famonjena anay ko magnavota anay noho ny fagnekenao mahatoky.Chapter 45Ho an'ny mpiventy hira; atao Shoshannim. Salamo nataon'ny zanaka lahin'i Kora. Maskila. Hiram-pitiavana.
1 Mamoaka foto-kevitsa soa ny foko; hovakiako mahery reo teny ze narafitso momba ny mpanjaka, nyn lelak ro penin'ny mpanoratsa mahay. 2Agnao vona soa mihoatsa ny zanak'olombelogna; fahasoavana ro voararaka eo imolotsao; noho zey de fantanay fa Andriamagnitsa ro efa nitahy anao mandrakizay.3Apitraho eo agnilanao ny sabatsao, ry mahery, amin'ny fahalihibiazanao.4 Amin'ny fahalibiazanao de mandehana amim-pandresena noho ny fahamendreham-pitokisanao, fahalemem-panahy, sy ny fahamarinana; hanoro anao raha mampatahotsa ny tagnanao ankavagnana.5Maragnitsa ny zana-tsipikanao;lavo ao ambaninao ny vahoaka; amin'ny fon'ireo fahavalon'ny mpanjakareo zana-tipikanao. 6Ny seza fiandriananao, Andriamagnitsa o, de mandrakizay doria; tehin'ny rariny ny tehin'ny fanjakanao.7 Te fahamarinana Agnao eko mankahala ny faharatsiana; noho zay Andriamagnitsa, Andriamagnitsao, de efa nagnositsa anao tamin'ny diloilon'ny fifaliana mihoatsa noho reo namanao8Mamofogna miora aby ny akanjonao,eko kasia; efa nampifaly anao reo valihany ivelan'ny lapa ivory. 9Reo zanaka vavin'ny mpanjaka de isan'ny apela mana-kaja; eo an-tagnana ankavagnanao ro mijoro ny mpanjakavavy mitafy volamenan'i Ofira.10Mitainòa, ra kilongapela, mandiniha de atongilagno ny sofinao; hadinò ny vahoakanao sy ny tragnon-drainao.11 Amin'ny alalan'izay de higniry ny hasoanao ny mpanjaka, i ro tomponao, hajao i.12Ny kilongapelan'i Tiro de ho agny miaraka amin'ny fagnomezana; ny manan-karena amin'ny vahoaka de hila sitraka aminao.13 Ny zanaka vavin'ny mpanjaka an-dapa ao de be voninahitsa aby; ny fitafiny de natao tamin'ny volamena.14Ho ferina eo amin'ny mpanjaka i amin'ny tohitena misy peta-kofehy; reo virijiny, namany ze magnaraka anazy, de ho ferina aminao. 15Ho tarihina amim-pifaliana sy faharavoana reo; hiditsa an-dapan'ny mpanjaka ao reo.16An-dapan'ny razanao ro hisy ny ny zanakao, de hataonao andriana eran-tany. 17Hampahatsiaro ny agnaranao amin'ny taranakao aby iaho; noho zay ny vahoaka hanolotsa fisaorana anao mandrakizay doria.Chapter 46Ho an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'ny zanaka lahin'i Kora; atao Alamota. Tonon-kira.
1Andriamagnitsa ro fialofanay sy herinay, famonjena mahatoky amin'ny fahoriana. 2Noho zay de tsa hatahotsa agnay, leko de tokony hiova aza ny tany, leko de tokony hihovitsovitsa aza ny tendrombohitsa,3 leko de mirohondrohogna sy misamboaravoara aza ny ranony, ary leko de mangovitsa miaraka amin'ny fisafoakany aza reo tendrombohitsa. Sela4Misy ony ao, ny fikororokany de mampifaly ny tananan'Andriamagnitsa, de ny fitoerana masin'ny tabernakelin'ny Avo Indrindra. 5Andriamagnitsa ro eo agnivony; tsa ho tafahetsika zao; Andriamagnitsa ro hagnavotsa anazy, de hanao anazy vo mangiran-dratsy I.6Nasiaka reo firenena ary voahozongozogna reo fanjakana; nanandratsa ny feony I, niepo ny tany.7 Momba antsika Yaveh Tompon'ny maro; ny Andriamagnits'i Jakoba ro fialofanay. Sela8Avia jireo ny asan'i Yaveh, ny fandravana ze efa nataony tegny amin'ny tany. 9Haampiagneniny amin'ny vazan-tany hiany ny ady; mamotipotika ny tsipika I de manapatapaka ny lefogna; magnoro ny ampinga I.10Mangina de fantaro fa Iaho ro Andriamagnitsa; Ho asandratsa egny amin'ny tany Iaho; ho asandratsa egny amin'ny tany Iaho. 11Momba antsika Yaveh Tompon'ny maro; ny Andriamagnits'i Jakoba ro fialofantsika. SelaChapter 47
1Ho an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'i zanaka lahin'i Kora. Mitehafa tagnana aby ry vahoaka; mihobia an'Andriamagnitsa amin'ny feon'ny fandresena. 2Fa Yaveh ro Avo Indrindra ko hatahorana; I ro Mpanjaka lehibe ambonin'ny tany.3Mandresy reo ona ambanitsika eo I de reo firenena ho eo ambany tongotsika. 4Mifidy ny lovantsika ho antsika I, ny voninahits'i Jakoba ze tiany. Sela5 Andriamagnitsa ro efa niakatsa tamim-pihobiana Andriamagnitsa, Yaveh tamin'ny feon'ny trompetra.6Mihirà fiderana ho an'Andriamagnitsa, mihirà fiderana; mihirà ho an'ny Mpanjakantsika, mihirà fiderana. 7Fa Andriamagnitsa ro Mpanjaka aby ambonin'ny tany; mihira fiderana amin'ny fahazavan-tsaigna.8Manjaka ambonin'ny firenena Andriamagnitsa; mitoatsa ambonin'ny seza fiandrianany masina Andriamagnitsa. 9Reo andrianan'ny ona miangona ho an'ny vahoakan'Andriamagnits'i Abrahama; fa reo ampingan'ny tany de an'Andriamagnitsa; I ro hasandratsa indrindra.Chapter 48Tonon-kira. Salamo nataon'ny zanaka lahin'i Kora.
1Lihibe Yaveh ro tokony hoderaina indrindra, ao an-tagnan'Andriamagnitsika eo an-tendrombohiny masina. 2Avo mahafinaritsa, ny fifalian'ny tany aby, de ny tendrombohits'i Ziona, eo amin'ny ilany avaratsa, ny tanana'ny Mpanjaka lihibe.3 Andriamagnitsa de efa nampahafantatsa ny tegnany tamin'ny lapany ho fialofana.4Fa, itito, ny mpanjaka nibotry; niara-nandalo reo. 5Nahita an'zay reo,ko de talanjogna; reki-tahotsa, sy nilefa malaky. 6Nahazo andreo tagny ny fangovitana, de salamin'ny hirifirin'ny apela eo am-piterahana.7Amin'ny alalan'ny rovotsa tatsignanana ro hamakianao ny sambon'i tarsisy. 8Araka ny efa renay, ro hitanay ta an-tananan'i Yaveh tompon'ny maro, ta an-tananan' Andriamagnitsay; hampitoatsa anzay mandrakizay anie Andriamagnitsa. Sela9Efa nihevitsa ny momban'ny fagnikena mahatokinao agnay, Andriamagnitsa o, teo apovoan'ny tempolinao. 10Araka ny Agnaranao, Andriamagnitsa o, de zay koa ro hiderana Anao hatagny amin'ny vazan-tany; feno fahamarinana ny tagnanao ankavagnana.11Oka hifaly ny tendrombohits'i Ziona, oka hifaly reo zanaka vavin'i Joda noho ny didinao marina.12Mandehana mihodikodigna ny tendrombohitsa Ziona, mihodikodigna aminazy; isao ny tilikambony, 13hamarino soa ny mandany, de zahao reo lapany mba hahafahanao mitantara anizay amin'ny taranakao ho avy.14Fa io Andriamagnitsa io ro Andriamagnitsika mandrakizay doria; I ro ho tari-dalagna ho antsika hatamin'ny fahafatesana.Chapter 49
1Ho an'ny mpiventy hira. Salamo natao'ny zanaka lahin'ny Kora. Izizao mihinoa, agnareo ona aby; magnangilàgna sofigna,agnareo mponignin'ny tany aby,2 leko ambany leko ambony, ndreko manan-karena leko misotry miaraka.3Ny vavako hitarogna fahindrena de ny fisaignan'ny foko hitarogna fahazavan-tsaigna.4 Hanongilan-tsofigna amin'ny fagnoharana iaho; hiatomboka amin'ny harpa ny fagnoharako.5 Nahoana iaho ro tokony hatahotsa ny andro ratsy, lehe magnodidigna anahy ao amin'ny voditongotsa ny heloka?6Nahoana aho ro tokony hatahotsa ireo ze mitoky amin'ny harena sy mirehareha amin'ny haben'ny fanagnany? 7Azo antoka tokoa fa tsa hisy afaka hahavonjy ny rahalahy ndreko hagnome tamby ho an'Andriamagnitra ho an'azy.8 Fa ny avots'aigna de lafo,ary de tsa misy afaka hagnefa ize tokony hosoloantsika9Tsa hisy afa miaigna mandrakizay izanyka tsa ho simba ny nofony. 10De hahita fahasimbana izy.Ireo ona hendry ho maty;ny gegy sy ny maditsa samy ho levogna sy hamela ny hareny ho an'ny hafa.11Ny hevi-dreo de ny havany sy ny toeram ponegnany hitohy mandrakizay,de ho an'ny taranany;akehin'ny arakan'ny agnarany ihany ny tanin-dreo.12Fa ny ona,manan-karena,koa de tsa hitoetsa ho velogna,mitovy reo biby ze ho velogna.13 Ty lalan-dreo ty,ro ho fahagigendreo;kanefa afaran-dreo de tian'olo ny fomba fitarony Sela.14Sahalany ondry ro nanindrena andreo ho amin'ny fiaigna-tsa hita,de fahafatesana ro ho piambigna an-dreo.Ny ona marina hanapaka eo amin-dreo sy maraigna,de ho levogna agny amin'ny fiaigna-tsahita ny nofony,de tsa hisy toerana hipitrahandreo.15 Fa Andriamagnitsa hamonjy ny aiko amin'ny herin'ny fiaigna-tsahita;handray anahy I Sela.16Aza matahotsa leko hisy ona panankarena,de mitombo ny voninahitsy ny ankohonany.17 Fa sy maty i de tsa hitondra na ina na ina mihintsy,tsa hirorogna hagnorik'azy ny voninahiny.18Sy vonaniaigna i de nitahy ny fagnahiny de midera anao ny ona sy miaigna ho an'ny tegnanao agnao.19 Handeha ho any amin'ny taranak'ireo razany i de tsa ahita ny hazavana mihintsy.20 Ze managna harena nefa tsa managna fahazavan-tsaigna de tsa misy hafa amin'ny biby,ze ho levogna.Chapter 50
1Salamo nataon'i Asafa. Ny Tsitoha, Andriamagnitsa, Yaveh, de efa nitarogna sy nangaika ny tany manomboka amin'ny fiposahan'ny masoandro ka hatamin'ny filitehany.2 Hatao Ziona, ny lafatsa amin'ny hatsaran-tarehy,ro natoron'Andriamagnitsa.3Ho avy ny Andriamagnitsika ko tsa mba hangina; hisy afo mandevogna eo alohany, de tafio-drivotsa be ro magnodidigna Anazy eo. 4Mentso ny lagnitsa ambony sy ny tany I mba hahafahany mitsara ny vahoakany: 5"Vorio miaraka aty aminahy reo mahatoky Anahy, de reo ze efa nanao fagnikena taminahy tamin'ny sorogna."6Ny lagnitsa hagnambara ny fahamarinany, fa Andriamagnitsa tegnany mihintsy ro mpitsara. Sela7Mitainoa, ra ona, de hitarogna Iaho, Iaho ro Andriamagnitsa, ny Andriamagnitsareo. 8Tsa hagnanatsa anao noho reo sorognanao iaho; alohako hiany ny fagnatitsa horoana ho anao.9Tsa hagnalaka ombilahy avy tan-dragnonao ao iaho, na osilahy avy tao am-balanao. 10Fa Anahy aby ny biby agny agnaty ala, sy ny biby fiompy egny amin'ny havoagna an'arivony. 11Fantako aby ny voro-manidin'ny tendrombohitsa, de Anahy reo bibidia agny an-tamboho.12Lehe noana Iaho, tsa mba hitarogna aminao zao; fa Anahy ny tany, sy ze raha aby eo amininazy. 13Moa hihinagna ny nofon'ny ombilahy ve Iaho na hisotro ny ran'ny osy?14Atoloro an' Andriamagnitsa ny sorom-pisaorana, de efao amin'ny Avo Indrindra reo voadinao. 15Keho Aho amin'ny androm-pahoriana; de hamonjy anao Iaho, eko hagnome voninahitsa Anahy agnao.16Fa hoy Andriamagnitsa amin'ny ratsy fagnahy hoe: " Ina ro ho ataonao amin'ny fagnambarana reo lalako, fa efa noraisinao ho eo am-bavanao ny17 fagnikeko, satria tsa te ny fagnanarana agnao de magnary ny teniko?18Sy mahita mpangalatsa agnao, de miray loha amininazy agnao; mandray anjara amin'ny ze mijangajanga agnao.19 Atolotsao ho an'ny ratsy ny vavanao, de ny lelanao magnatoro fitaka.20 Mipetraka agnao de mitarogna manohitsa ny rahalahinao; endrikendrehinao ny zanaka lahin-dreninao.21Efa nanao reo raha aby reo agnao, nefa nitagna ny fahangignana aho, nge de mihevitsa manko agnao fa ona mitovy amin'ny tegnanao hiany Iaho. Nefa hagnanatsa anao iaho de hampiakatsa, ho eo amin'ny tandrifin'ny masonao, ny raha aby vitanao.22 Asio fiheverana soa zao, agnaoze nagnadigno an' Andriamagnitsa, lehe tsa zay de hopotipotehiko agnao, de tsa hisy ho avy hagnampy anao!23Ze manolotsa sorom-pihavagnana ro mankalaza Anahy,de ho an'ze mikasa ny lalany ho amin'ny lala-marina ro hanehoako ny famonjen'Andriamagnitsa."Chapter 51Ho an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'i Davida; sy nagnatogna an'i Natana mpaminany tafaran'ny nandriany niaraka tamin'i batseba.
1Mamindra fo aminahy, Andriamagnitsa o, noho ny fagnikenao mahatoky; noho ny amin'ny hamaroan'ny asam-pamindram-ponao, vovno ny fahadalana nataoko. 2Sasao an-tsakany sy an-davany iaho mba ho afa-keloka de diovo amin'ny fahotako.3Fa fantako ny heloko, ary de alohako eo mandrakariva ny fahotako. 4Taminao de taminao rery, ro efa nanotako sy nahavitako raha ratsy teo imasonao; fa mahintsy Agnao lehe mitarogna; ro marina sy mitsara5Itito, teraka tamin'ny heloko iaho; lehe vona notorotoronin-dreniko, de efa tamin'ny fahotana aho.6 Itito, magniry fahamendreham-pitokisana ato am-poko Agnao; ato am-poko ro hampahafantaranao anahy fahendrena.7Diovo hysopa aho,de ho madio; sasao aho,de ho fotsy mihoatsa ny oram-panala. 8Ampandreneso haravoana sy fifaliana iaho mba hahafahan'ny taolako notapahinao hifaly. 9Asitriho amin'ny tavanao reo otako ka afaho aby ny heloko.10Amorony fo madio aho, Andriamagnitsa o, ary havaozy fagnahy marina ny ato agnatiko. 11Aza alavirina amin'ny fagnatrehanao aho, de aza alaina aminahy ny Fgnahinao masina.12Ampodiano aminahy ny fifaliana amin'ny famonjenao, de tohagno amin'ny fagnahy vonona aho. 13De hampianatsa reo mpandika lalàna ny lalanao aho, ko de hiova fo reo mpanota.14Mamelà anahy noho ny fandatsahan-drà Andriamagnitsy ny famonjena anahy, de hihiaka ny fifalian'ny fahamarinanao aho. 15Tompo o, vohao ny somiko, de hagnatoro dera ho Anao aho. 16Fa tsa mankasitraka sorogna Agnao, leko iaho manolotsa anzao; tsa managna fahafinaretana amin'ny fagnatitsa oroana Agnao.17Ny fagnatits'Andriamagnitsa de fagnahy torotoro. Agnao, Andriamagnitsa o, de tsa hanao tsinintsinona ny fo torotoro sy manegnina. 18Manaova soa amin'ny fankasitrahanao an'i Ziona; Areno ndraika ny mandan'i Jerosalema. 19De hankasitraka reo sorom-pamarinana, amin'ny fagnatirsa oroana de reo fagnatitsa oroana aby Agnao; ko de hanolotsa ombilahy eo amin'ny alitara ny vahoakanay.Chapter 52Ho an'ny mpiventy hira. Maskilan'i Davida; sy avy hitarogna an'i Saoly i Doega Edomita, de nitarogna taminazy hoe:" Avy tan-dragnon'i Ameleka i Davida."
1Nahoana agnao ro mirehareha amin'ny fanaovan-dratsy, ry lilahy mahery? Avy isan'andro ny famindram-pon'Andriamagnitsa. 2Mikasa famotehana ny lelanao salamin'ny hareza maragnitsa, miasa amim-pitaka.3Te ratsy mihoatsa ny soa agnao de mandenga salan'ny ze milaza ny fahamarinana. Sela4Te ny tarogna ze mandevogna ny hafa aby, agnao ro lela mpamitaka.5 hamotika anao salamiizay koa anie Andriamagnitsa; hagnalaka anao I ko hagnongotsa anao hiala amin'ny lainao tsa ho amin'ny tanin'ny velogna. Sela6Ny marina hijery, de hatahotsa, himehy anazy reo ko hitarogna hoe:7 " Itito hekana, ny lihilahy tsa nanao an'Andriamagnitsa ho fialofany,fa nitoky tamin'ny fahamaroan'ny hareny, de nahery fo i namotika ny hafa."8Fa lehe aho aloha,de salamin'ny hazon'oliva an-dragnon'Andriamagnitsa ao aho; hatoky ny fagnikena mahatokin'Andriamagnitsa mandrakizay doria aho. 9Hagnome sitraka Anao mandrakariva aho amin'ze vitanao. Hiandry ny Agnaranao eo amin'ny fagnatrehan'ny vahoakanao masina aho, satria soa zay.Chapter 53
1Ho an'ny mpiventy hira; atao Mahalata. Masikilan'i Davida. Ny gegy manao anakampo hoe: "Tsa misy Andriamagnitsa." Mpanao ratsy aby reo de nahavita heloka fahavetavetana; tsa misy manao soa.2 Miondrika mijery ny zanak'olombelogna hatagny an-dagnitsa Andriamagnitsa mba hizaha lehe misy mahatakatsa, ze mitadia Anazy. Fa niholaka aby reo. 3Niara-niolaka ho mpanao ratsy aby reo.Tsa misy manao soa ,leko raika aza.4Moa tsa mahalala ve ny mpanao ratsy tsa managna fahazavan-tsaigna,de ze mandevogna ny onako salan'azy mihinagna mofo de tsa mangaika an'Andriamagnitsa reo? 5Tagnaty tahotsa lihibe reo, leko tsa nisy antony tokony hampatahotsa; fa Andriamagnitsa hanapatapaka ny taolan'ny ze hitoby hanohitsa anao; ny ona salan'zay de halaim-baraka satria efa nolavin'Andriamagnitsa reo reo.6Enga anie ho avy agny Ziona ny famonjena ny Israely! Sy ferin'Andriamagnitsa mipody hatamin'ny fahababoana ny onany,de ho ravoravo i Jakoba de ho faly i Israely!Chapter 54ho an'i mpiventy hira; ampiarahina amin'ny lokanga. Maskilan'i Davida;rehefa avy reo zifita nitarogna tamin'i Saoly hoe: "Moa tsa nanitrika ny tegnany niaraka tamintsika ve Davida?"
1Vonjeo amin'ny agnaranao aho Andriamagnitso eko tsarao amin'ny herinao.2 Taino ny fivavako Andriamagnitso o; anongilagno ny sofina reo tenin'ny vavako. 3Fa ona hafa firenenaro mijoro manohitsa anahy,eko lihilahy tsamisy indrafo ro nagnejika ny aiko; tsa nametraka an'Andriamagnitsa teo alohan'reo. Sela4Indro,Andriamagnitsa ro mpamonjiko; ny Tompo irery ihany ro manohagna anahy. 5Hamaly ny ratsy nataon'reo fahavaloko I; aringano ireo, amin'ny fahatokianao!6Amin'ny fanatitsa an-tsitrampo hanaovako sorogna ho Anao; fisaorana fo atolotso ho Anao;ry Yaveh, fa soa zay.7 Satria namonjy anahy tamin'ny loza aby manotolo I; efa nahita fandresena tamin'ny fahavaloko ny masoko.Chapter 55
1Ho an'ny mpiventy hira; ampiarahina amin'ny valiha. Maskilan'i Davida. Manongolagna sofigna amin'ny fivavako, Andriamagnitsa o; de aza miery amin' ny fitaraignako. 2Hino aho de valio; miriorio ny eritseriko,de mitoloko aho.3 Noho ny feon'ny fahavaloko,noho ny fampahorian'ny ratsy fagnahy; mampitondra fahoriana anahy reo de mandodditsa anahy amim-pahasiahana.4Mangorohoro agnatiko ato ny foko, de nitrotraka taminahy ny horohorom-pahafatesana. 5Efa avy aminahy ny fahatahorana sy ny fangovitana, de nanafotsa anahy ny horohoro.6Hoy iaho hoe:"hee, lehe mba nanagn'elatsa salamin'ny voromahilala manko iaho! De nitsidigna iaho de ho agny amin'ny fitsaharana.7 Ity, nirenireny lavitsa tokoa iaho; niegnina agny agn'efitsa. Sela8Ho roso malaky iaho hamonjy fialofana. Mba tsa ho hazan'ny tafio-drivotsa sy ranon'oram-baratsa ."9 Ringano i, Tompo o, ampifangaro ny fitarognany! Fa efa nahita herisetra sy fifandirana tan-tanana ao iaho.10Mandehandeha andro aman'aligna eo ambonin'ny mandan'zay reo. 11Heloka sy sopatsa ro agnivon'izay. Faharatsiana ro eo ; tsa miala amin'ny tsenany ny fampahoriana sy fitaka.12Fa tsa fahavalo ro nitarogna mahery anahy, lehe tsa zey de afaka niaritsa hiany iaho; ary tsa ny mankahala anahy ro nitsangagna hanohitsa anahy, lehe tsa zey de afaka nanitrika ny tegnako taminazy hiany iaho.13 Fa agnao ndrindra, lihilahy mitovy saranga aminahy. Namako sakaizako ndrindra.14 Nanagna fiombognana mamy atsika;nandeha tao an-dragnon'Andriamagnitsa niaraka tamin'ona atsika.15Avilao hanapoka anazy ny fahafatesana .Avilao ho hirorogna velogna agny amin'ny fiainan-tsy hita reo,satria faharatsiana ro itoeran-dreo, na aia na aia misy andreo.16Lehe aho aloha,de hangaika an'Andriamagnitsa aho, de Yaveh hagnavotsa anahy.17 Mitaraigna sy mitoloko aho amin'ny hariva, ny maraigna sy ny mitatao vovognana;de handre ny feoko I.18 Hamonjy ny fiaignako soa amatsara i amin'ny ady ze nanohitsa anahy, fa be reo ze niady taminahy.Andriamagnitsa, ze manjaka mandrakizay anie hiheno ko hampietry andreo. Sela Tsa miova mihitsy reo, de tsa matahotsa an'Andriamagnitsa.20Nanandra-tagnana hamely ze nihavana taminazy ny sakaizako;tsa nagnaja ny fagnikena ze nanagnany i.21 Nalama salamin'ny dibera ny vavany, nefa nankahala ny fony; Malambo salamin'ny diloilo ny tarony, nefa kay sabatsa natsatotsatoka reo.22Apitraho amin'Yaveh ny enta-mavesatsanao, de hanohagna anao I; tsa hamela ny ona-marina hangozohozo mihintsy I. 23Fa Agnao, Andriamagnitsa o, ro handrorogna ny ratsy fagnahy agny an-davaky ny fahapotehana; reo mangetaheta ra sy reo ona mpamitaka de tsa hiaigna mihintsy leko antsasaky ny an'ny hafa aza,fa iaho kosa hatoky Anao.Chapter 56Ho an'ny mpiventy hira; atao Jonatelema-rehokima. Salamo nataon'i Davida. Miktama; tamin'ny nisamboran'reo Filistina anazy tagny Gata.
1Mamindrà fo aminahy, Andriamagnitsa o, fa manafika anahy reo lihilahy! Reo miady aminahy manery mihintsy ny fanafihany andro lava.2 Mandia anahy andro lava aby ny fahavaloko; fa be reo miady aminahy amim-pireharehana.3Lehe matahotsa aho, de hapetrako aminao ny tokiko. 4Amin'Andriamagnitsa, ro iderako ny tarony; amin'Andriamagnitsa ro efa nametrahako ny tokiko; tsa hatahotsa aho; ina ro hataon'ny nofo aminahy?5Mandika vilagna ny taroko andro lava reo; manohitsa anahy amin'ny fisaignan-dratsy aby reo. 6Mikambagna reo, miery reo, de mitsongo dia anahy, satria mikendry ny aiko.7Aza avela hilefa amin'ny fanaovan-dratsy reo reo. Reseo amin'ny hatizeranao ny ona, Andriamagnitsa o.8 Magnisa ny firenireneko Agnao de manao ny ranomasoko ao an-tavoahanginao; moa tsa voasoratsa ao amin'ny bokinao ve reo?9Ko de hipody reo fahavaloko amin'ny andro ze hangehako Anao; fantako zay, fa hiady ho anahy Andriamagnitsa,10 Amin'Andriamagnitsa ro iderko ny tarony, amin'i Yaveh ro iderako ny tarony,11 amin'Andriamagnitsa ro itokiako, de tsa hatahotsa aho. Ina ro azon'ona atao aminahy?12Aminahy ato ny adidy hagnatanterahana ny voadiko aminao, Andriamagnitsa o; hanolotsa fagnati-pisaorana ho anao aho.13 Fa efa namonjy ny fiagnako tamin'ny fahafatesana Agnao; nitagna ny tongoko tamin'ny figitrahana Agnao, mba hahafahako mandeha eo agnatrehan'Andriamagnitsa amin'ny fahazavan'ny velogna.Chapter 57Ho an'ny mpiventy hira;atao Al-tashheth. Salamo nataon'i Davida. Miktama; lehe nilefa an'i Saoly i, tao agnaty zohy.
1 Mamindra fo aminahy, fa hialoka aminao ambara-pahatapits'izao fahoriako zao. Mitoatsa eo ambany elatsao ho aroko aho mandra-piegnin'zao faharavana zao.2Hitaraigna amin'Andriamagnitsa Avo Indrindra aho, ho an'Andriamagnitsa, manao ny raha aby ho anahy. 3Handefa fagnampiana hatagny an-dagnitsa I de hamonjy anahy, masiaka amireo ze mamely anahy I. Sela. Andriamagnitsa handefa ny hatsaram-pagnahiny sy ny fahatokisany aminahy.4Eo ampovoan'ny liona ny aiko; eo amin'ny ze vonona handrapaka anahy iaho. Eo amin'ona ze managna nify salamin'ny lefogna sy tsipika iaho, de ze managna lelan-tsabatsa maragnitsa iaho. 5Misandrata, Andriamagnitsa, ambonin'ny lagnitsa; avilao ho eo ambonin'ny tany aby ny voninahitsao.6Namelatsa harato ho an'ny tongoko reo; ory iaho. Nihady lavaka teo alohako reo. De ny tegnandreo hiany ro nigetrahako tao apovoan'ny zay! Fiatoana sy fiderana.7Tafatoatsa ny foko, Andriamagnitsa o, tafatoatsa ny foko; hihira iaho, eka, hihira fiderana iaho.8 Mifohaza, ry foko nomem-boninahitsa; mifohaza, ry valiha sy lokanga; hofohaziko ny mangiran-dratsy.9Hanolotsa fisaorana ho Anao aho, ry Tompo, eo amin'ny vahoaka; hihira fiderana ho Anao aho eo amin'ny firenena. 10Fa lihibe ny fitiavanao tsa mety levogna, manaka-dagnitsa; de ny fahatokianao manakatsa ny rahogna.11 Misandrata, Andriamagnitsa o, ambonin'ny lagnitsa; ny fahasoavanao anie ho asandratsa manerana ny tany manotolo.Chapter 58
1Ho an'ny mpivanty hira; atao Al-Tashheth. Salamo nataon'i Davida. Miktama. Milaza ny fahamarinana ve agnareo ry mpanapaka? Mitsara amim-pahamarinana ve agnareo,ra ona?2 Aahana, manao ny faharatsiana ao am-ponareo agnareo; mizara herisetra manerana ny tany amin'ny tagnanareo agnareo.3Mania ny ratsy fagnahy leko de vona tao an-troka aza; mania reo hatamin'ny vo teraka, amin'ny filazana lenga.4 Tahaka ny poizin'ny bibilava ny poizin-dreo; salamin'ny vipera maregnina ze manakagna ny sofiny tsa handre, 5ze tsa mitandrigna ny feon'ny mpilalao ody, na mahay salan'ina aza reo.6Andriamagnitsa o, torotoro ny nifiny eo am-bavany; ongoto ny vazan'ny liona tanora,Yaveh o. 7Avilao reo hiepo tahaka ny rano raraka; sy mandefa ny zanatsipikany rep,de avilao ho tahaka ny tsa misy tendrony. 8Avilao ho tahaka ny lelosy mitsonika reo de maty, salamin'ny zaza tsa tongavolagnan'ny apela raika tsa mahita ny tara-masoandro mihitsy.9Dieny vona tsa mafanan'ny afon-tsilo ny vilagninao, de ho feriny amin'ny tafio-drivotsa reo, na tsilo mentso na ny tsilo mirehitsa. 10Ny ona marina hifaly sy mahita ny famalian'Andriamagnitsa i; hanasa ny tongony amin'ny ran'ny ratsy fagnahy i, 11mba hitarognan'ona hoe: "Marina tokoa, fa misy valisoa ho an'ona marina; marina tokoa fa misy Andriamgnitsa mitsara ny tany."Chapter 59ho an'ny mpiventy hira,atao Al-Tasheth,salamo nataon'i Davida.Miktama;rehefa niaraka i Saoly ka niambina ny trano mba hamonoana azy.
1 Afaho amin'ireo fahavaloko aho,Andriamagnitsa o,apitraho egny amin'ny ambony lavitsa ze mitsangagna hanohitsa anahy aho.2 Arovy am'ireo mpanao heloka aho ary avoto amireo ona te ady.3De misaigna ny kendrena ny aiko reo.Reo mpanao ratsy mahery de mivory hanohitsa anahy.De tsa noho ny heloko na ny fahotako ry Yaveh.4 Miomagna ny hamono anahy reo leko tsa mana-pahadisoana aza aho.Mifohaza de vonjeo aho ka jireo.5Agnao ry Yaveh Andriamagnitsa tompon'ny maro;lay Andriamagnitsa ny Israely,mitsangàna ary faizo ny firenena aby;aza amena famindram-po ze panao meloka.Sela6Mivory aby reo sy hariva,mivovo mitovy amin'ny amboa reo de mandehandeha erakin'ny tanàna.7 Jireo mandrezatsa amin'ny vavany reo;Sabatra ro eo amin'ny molony,de hoy nataondreo hoe"Ia ro mahare agnahy?"8Fa agnaho ry Yaveh de mimehy an'azy reo;ataonao fimehezana ny firenen'aby.9 Andriamagnitsa ;heriko o,hihaino Agnao aho,tilikamboko ambony.10Hihaona amiko ny Andriamagnitro miaraka amin'ny fagnikeny mahatoky; Andriamagnitsa no hamela ahy hahita ny fagniriako amireo fahavaloko.11 Aza vonoana reo fa nge hadignony ny oloko.Aelezo amin'ny fahefana reo de ataovo migetraka,ry Tompo ampinganay.12Noho ny fahotany vavandreo sy ny tarognany somindreo,aoka ho samborina amin'ny fireharehany reo,de amin'ny ozogna sy amin'ny lenga ro hanoroandreo hevitsa.13 Levony amin'ny fahasahiagnao reo,levogny reo mba tsa hisy koa;avilao ho fantandreo fa Andriamagnitsa ro mpanjaka eo amin'i Jakoba sy hatramin'ny farany tany.Sela14Mipody reo sy hariva,mivovò de koa amboa mandehandeha erany tanàna.15 Miriorio mitadia hanina i,sy tysa i de agny ihany mandritra ny aligna.16Fa hihira mombany Herinao aho,de hihira ny fitiavanao tsa miova sy maraigna!Fa hafaleana be ho agnahy agnaho sady fialofana amin'ny andro fahoriako.17 Ho Agnaho ry heriko,no hihirako fiderana;fa Andriamanitsa ro fiarovana ambony ho agnahy,de lay Andriamagnitsiny ny famindrampo.Chapter 60Ho an'ny mpiventyu hir; atao Shushan-Eduth. Miktama nataon'i Davida; hop fampianarana. Fony niady tamin'i Syria Naharaima sy tamin'i Syria Zobah, de Joaba nipody de namono Edomita roa arivo sy roa aligna tagny an-dohasahan-tsira.
1Andriamagnitsa o, efa namakivaky ny fiarovanay Agnao; masiaka Agnao; ampodio ndraika agnay.2Efa nampihovitsovitsa ny tany Agnao; efa norotehnao zay; sitragno ny triatsany, fa mihozongozogna zay. 3Nampahita raha sarotsa reo vahoakanao Agnao; nampisotro anay divay mampivembegna Agnao.4Ho an'reo magnome voninahitsa Anao, de efa nanangananao faneva aharihary hanoherana reo ze mitondra tsipika. Sela 5Mba hahatonga reo tianao ho voavonjy, vonjeo amin'ny tagnanao ankavagnana agnay ko valio aho.6Nitarogna tamim-pahamasinana Andriamagnitsa hoe: " Hiravoravo Aho; hizara an'i Sekema Aho de hamaritsa ny lohasahan'i Sokota. 7Anahy Gileada, de Anahy Manase; fiarovan-dohako koa i Efraima; Joda ro tehim-piandrianako.8Tavin-drano fanasako i Moaba; i Edoma ro hanorahako ny kapako;hihika am-pandresena Aho noho i Filistia." 9Ia ro hitondra anahy ao amin'ny tagnana mahery? Ia ro hitarika anahy ho agny Edoma?10Fa Agnao, Andriamagnitsa o, moa tsa efa nanda anay ve ? sady tsa nandeha nivoaka niaraka tamin'ny tafikay Agnao.11 Ampio agnay hanohitsa ny fahavalonay, fa raha foagna ny fagnampian'olombelogna.12 Handresy agnay miaraka amin'ny fagnampian'Andriamagnitsa; handiandia ny fahavalonay i.Chapter 61
1Ho an'ny mpiventy hira; ampiarahina amin'ny valiha. Salamo nataon'i Davida.2 Hinò ny fitaraignako, Andriamagnitsa o; atreho ny fivavako. 3Hatamin'ny faran'ny tany ro hangehako Anao sy feno ny foko; tariho agny amin'ny vatolampy ze avo ndrindra noho iaho aho. Fa Agnao ro efa fialofana ho anahy, fiarovana mahery amin'ny fahavalo.4Avilao aho hitoatsa ao amin'ny tabernakelinao mandrakizay! Avilao aho hialoka ambany aloky ny elatsao. Sela 5Fa Agnao, Andriamagnitsa o, ro efa nandre ny voadiko, efa nagnome anahy ny lovan'ny ze nagnome voninahitsa ny Agnaranao Agnao.6Hampateza ny fiaignan'ny mpanjaka Agnao; ho salamin'ny taranaka mifandimby ny taognany. 7Hitoatsa eo agnatrahan'Andriamagnitsa mandrakizay i.8Hihira fiderana ho an'ny Agnaranao mandrakizay iaho mba hahafahako magnatanteraka reo voadiko isanandro.Chapter 62Ho an'ny mpiventy hira, araka ny fomban'i Jedotona. Salamo nataon'i Davida.
1Miandry an'Andriamagnitsa rery am-pahanginana iaho; hataminazy ny famonjena anahy. 2I rery ro vatolampiko sy famonjeko; I ro fiarovana ho anahy; tsa hangozohozo tokoa aho.3Mandra-pahoviana, agnareo aby, ro hanafika ona, mba hahafahanareo mampihozohozo anazy tahaka ny manda mirogna na fefy mihozongozogna? 4Nihaogna taminazy rery reo mba hampihetry anazy amin'ny fitoerany be voninahitsa; te mitarogna lenga reo;mitsodrano anazy amin'ny vavany reo nefa magnozogna anazy agny am-pony. Sela5Miandry am-pahanginana an'Andriamagnitsa rery hiany iaho; fa mitoatsa agny Aminazy ny fagnategnako. 6I rery hiany ro vatolampiko sy famonjena ho anahy; I ro fiarovako avo; de tsa hangozohozo aho.7Ao amin'Andriamagnitsa ny famonjena anahy sy ny voninahitso; ny vatolampin'ny heriko sy fialofako de ao amin'Andriamagnitsa.8 Matokia Anazy amin'ny fotoagna rehetra, agnareo vahoaka;loaro eo alohany eo ny fonareo; de ho fialofantsika Andriamagnitsa. Fiatoana sy fiderana.9Tsa misy dikany ny ona ambany,de reo ona ambony de lenga; Lehe lanjaina miaraka,de mevagna noho ny tsa misy reo. 10Aza matoky ny fampahoriana na fandrobana; de magnategna harena tsa misy dikany, satria hilanja ny vokany reo; aza magnakigna ny fonao amindreo.11Efa nitarogna ndraika mandeha Andriamagnitsa, indroa ro nandrasako ny hoe: an'Andriamagnitsa ny hery. 12Agnao hiany koa, Tompo, ro fagnekena mahatoky, fa Agnao ro mamaly ny ona tsiraindraika avy amin'ze vitany.Chapter 63Salamo nataon'i Davida, fony i tagny agn'efits'i Joda.
1Andriamagnitsa , Agnao ro Andriamagnitso! Mitadia Anao fatratsa aho,mangetaheta Anao ny fagnahiko, ery ary magniry Anao ny nofoko, eo amin'ny tany maigna sy karakaina ze tsa misy rano.2 De efa Anao tao agnatin'ona masina aho mba hahita ny herinao sy ny voninahitsao.3Satria soa noho ny fiaignana ny famindram-ponao, de hidera Anao ny somiko. 4Ko de hisaotsa Anao aho lehe vona velogna koa; hanandratsa ny tagnako amin'ny Agnaranao aho.5Zey de salamin'ny hoa iaho nihinagna hanina nisy tsoka sy sabora; amin'ny somiko ravoravo ro hiderako Anao, 6sy mieritseritsa ny momba Anao eo am-pandrena aho de misaintsaigna Anao sy aligna.7Fa efa famonjena anahy Agnao, de amin'ny aloky ny elatsaoro iravoravoako. 8Mifikitsa aminao aho; manohagna anahy ny tagnanao ankavagnana.9Fa ze mitadia hanimba ny fiaignako de hirorogna agny amin'ny tapany ambany ndrindran'ny tany;10 hatolotsa eo amin'ny ze mampiasa ny sabatsa egny an-tagnany reo, de ho roso sakafo ho an' ny amboahaolo reo.11Fa ny mpanjaka hifaly amin'Andriamagnitsa; ny ona aby ze mianiagna Aminazy de hirehareha Aminazy,fa ny vavan-dreo ze milaza lenga de hikombogna.Chapter 64
1Ho an'ny mpiventy hira. salamo nataon'i Davida. Taino ny feoko, Andriamagnitsa o! taino ny fitaraingnako; arovy amin'ny tahotsa ny aiko.2 Asitriho amin'ny teti-dratsy miafin'reo mpanao ratsy iaho, amin'ny tabataban'ny mpanao heloka.3Efa nandragnitsa ny lelany salamin'ny sabatsa reo; efa magnenjagna ny zanatsipikany reo de ze mitarogna mangidy, 4mba hahafahandreo mitifitsa ny ona ze tsa manatsigny hatagny amin'ny toerana miafigna; tsa apoezina ro itifirandreo anazy eko tsa matahotsa na ina na ina.5De makahery ny tegnany tamin'ny teti-dratsiny reo niara-nidinika mangigna ny hametraka ny fandrika reo; hoy reo hoe:"Ia ro hahita atsika?" 6namorogna teti-dratsy i; "Efa vitanay,": hoy i," ny tetika matipaika."Ny agnatin'ny eritseritsany fon'ona de laligna.7Nefa hikendry andreo Andriamagnitsa; ho voaferin'ny tsipikany i.8 Ho tafitohigna reo, satria ny leleny hiany ro manohitsa anazy; ze mahita anazy de hagnifikifi-doha.9 Ny ona aby de hatahotsa eko hilaza ny asa ben'Andriamagnitsa. Hieritseritsa am-pandrena zay efa nataony reo.10Ho faly amin'Yaveh ny marina eko hialoka Aminazy; ny mahitsy fo hiriharihana Aminazy.Chapter 65Ho an'ny mpiventy hira. Salamo.
1 Hiran'i Davida. Ho anao,Andriamagnitsa agny Ziona, ro andrazan'ny vavakay; hagnatanteraka ny voadinay Aminao agnay.2 Agnao zay miheno vavaka, ho avy eo aminao eo aby ny nofo rehetra.3 Reo heloka haandresy antsika; lehe reo fandikan-dalanatsika, de hamela an'reo Agnao.4Samnbatsa ny ona ze nisafidy handriny Anao mba hahafahany mivelogna eo an-kianjanao. De ho afa-po ny amin'ny hasoan'ny tragnonao, ny tempolinao masina agnay.5Amin'ny fahamarinana ro hamalianao agnay amin'ny fanaovana reo raha mahazendagna, Andriamagnitsy ny famonjenay; Agnao ze tokin'ny fiafaran'ny tany aby sy ny an'reo ze ;lavitsa ny ranomasina.6Fa agnao ro nagnamafy origna reo tendrombohitsa, Agnao ro manao fehi-troka amin'ny hery. 7Agnao ro mampangina ny fieron'ny ranopmasina, ny fieron'ny onjany, de ny tabataba'ny vahoaka.8Reo ze monigna agny amin'ny faran'ny tany de matahotsa ny amin'ny porofon'ny asanao; Agnao ro mampifaly ny atsignanana sy ny andrefana.9 Avy hagnavotsa ny tany Agnao; tondrahanao an'zay; de hampitomboanao fatratsa; feno rano ny onin'Andriamagnitsa;mamatsy voa ho an'olombelogna Agnao sy avy nagnomagna ny tany.10Nanondraka rano ny tany voaasa ao agnao; nametraka reo sisin'ny tany voaasa Agnao; nagnalefaka zay ranon'oragna Agnao; mitahy reo tsimoka eo amin-dreo Agnao.11 Manarogna ny taogna amin'ny fahasoavanao Agnao; reo lalagna afaran'ny kalesanao de mitete fahatavizana amin'ny tany. 12Reo ahitsa ao agn'efitsa de mitete ando, reo havoagna de mitafy fifaliana.13Feno ondry aman'osy ny tany fihinanam-bilogna; voarakotsa voa koa ny lohasaha; mihiaka fifaliana reo ary mihira.Chapter 66Ho an'ny mpiventy hira. Hira, salamo.
1 Manaova hiakam-pifaliana ho an'Andriamagnitsa, ry tany rehetra;2 mihirà mafy ny voninahitsiny Agnarany; meo voninahitsa ny fiderany.3Tarony Andriamagnitsa hoe: '' De mahatahotsa reo asanao! Amin'ny fahalehibiazan'ny herinao no hanekenreo fahavalonao Agnao. 4Ny tany rehetra hanompo Agnao ary hihira ho Agnao; hihira ho an'ny Agnaranao reo.'' Sela5mareha ka jireo reo asan'Andriamagnitsa; mahatahotsa I noho reo asabeny amireo zanak' olombelogna. 6Namadika ny ranomasina ho tany maigna I; namakivaky ny ony an-tongotsa reo; tany ro niravoravoanay taminazy.7 Manapaka amin'ny heriny mandrakizay I; mandinika reo firenena ny masony; aoka reo mpikomy tsy hanandra-tena. Sela8Manomeza fisaorana an' Andriamagnitsa, agnareo ra ona, aoka ho re ny feon'ny fiderana Anazy.9 I ro miahy antsika amin'ny velogna, ary tsa mamela ny tongotsika hiblisatra I.10Fa Agnao, Andriamagnitsa, efa nitsapa agnay tahaka ny fitsapana volafotsy Agnao. 11Nitondra agnay tanaty harato Agnao; nametraka enta-mavesatsa teo am-balahanay Agnao.12 Efa nanao ny ona hanitsaka ny lohanay Agnao; namakivaky afo sy rano Agnay, nefa namoaka agnay amin'ny toerana malalaka Agnao.13Hiditsa an-dragnonao amin'ny fanatitsa dorana iaho; hovitaiko Amnao reo voadiko 14zay nampanantenain'ny molotso sy ny nolazain'ny vavako tamin'iaho vana tagnaty fahoriana.15 Haname Agnao fanatitsa dorana biby mifahy miaraka amin'ny hagnitsa ankasitrahana avy amin'ny ondrilahy iaho; haname ombilahy sy osilahy aho. Sela16Mareha ary mitainoa, agnareo rehetra zay matahotsa an'Andriamagnitsa, ary holazaiko zay efa nataony ho an'ny fagnahiko. 17Nangaika Anazy tamin'ny vavako iaho, ary noderaina tamin'ny lelako I. 18Lehe nahita ny fahotana tam-poko iaho, de tsa mba hitaigno anahy ny Tompo.19Fa mitaigno tokoa Andriamagnitsa; efa nitandrina ny feon'ny fivavako I.20 Isaorana anie Andriamagnitsa, zay tsa nandà ny fivavako na ny fanekeny mahatoky taminahyChapter 67
1Ho an'ny mpiventy hira; ampiarahina amin'ny valiha. Salamo, tonon-kira. Andriamagnitsa anie hamindra fo amintsika ka hitahy antsika ary hampamirapiratsa ny tavany amintsika Sela2 mba hahalala ny lalanao ambonin'ny tany , ny famonjenao eo amin'ny firenena aby.3Aoka ny ona hidera Agnao, Andriamagnitsa o; aoka ny ona aby hidera Agnao. 4Endrey reo firenena ho faly sy hihira fifaliana, fa hitsara ny ona aby amin'ny fahitsiana Agnao ary hanapaka reo firenena ambonin'ny tany. Sela5Aoka ny ona hidera Agnao, Andriamagnitsa o; aoka ny ona aby hidera Agnao.6 Ny tany efa namoa ny vokany ary Andriamagnitsa, Andriamagnitsay ro nitahy agnay.7Andriamagnitsa efa nitahy agnay, ary manome voninahitsa Anazy aby ny vazan-tany.Chapter 68Ho an'ny mpiventy hira; salamo nataon'i Davida, tonon-kira.
1Aoka hitsanga Andriamagnitsa; aoka reo fahavalony ro hiely; aoka koa reo tsa tea Anazy hilefa tsa ho eo anatrehany.2 Toa ny setroka miely, ro hampielezany anazy andreo; toa ny savoka miempo anaty afo ro aoka hahalevona ny ratsy fagnahy eo amin'ny fanatrehan'Andriamagnitsa.3 Fa aoka kosa ny ona marina ho faly; aoka reo hifaly eo anoloan'Andriamagnitsa; hiravoravo anie reo ka de ho faly4Mihirà ho an' Andriamagnitsa! mihirà fiderana ho an'ny Agnarany! derao reo mandeha mamakivaky reo tany lemaky ny lohasahan-driaka Jordana! 5Aban'ny kamboty, mpitsara reo mananontena, ilay Andriamagnitsa any amin'ny fitoerana masina. 6Andriamagnitsa mametraka ny irery ho amin,ny fianakaviana, feriny mivoaka amin-kalokalo ny gadra; fa ny mpikomy mipetraka any amin'ny tany karakaina.7Andriamagnitsa o, lehe nivoaka teo anatrehan'ny vahoakanao Agnao, rehefa nandeha namakivaky ny tany efitra Agnao, Sela 8de nihovitra ny tany; ny lanitsa koa nitete orana tamin'ny fanatrehan'Andriamagnitsa, rehefa avy tany Sinay I, tamin'ny fanatrehan'Andriamagnitsa, ilay Andriamagnits'Israely.9Agnao, Andriamagnitsa o, ro nandefa oram-be; Agnao ro nampatanjaka ny lovanao lehe reraka izany. 10Monina ao ny vahoakanao; Agnao, Andriamagnitsa, maname ny mahantra tamin'ny fahatsaranao.11Ny Tompo ro manome reo baiko, ary tafika lihibe reo zay nanambara izany.12 Milefa reo mpanjakan'ny tafoka, nolefa reo, ary nizara fandrobana reo vehivavy niandry tantrano: voromailala voarakotra volafotsy sy elatsa volamena mavo.13 Rehefa nitoatsa taminreo valan'ondry ny sasany taminareo ry vahoaka, de nanina ro manao izany Agnareo?14nampiely mpanjaka tany ilay Tsitoha, izany de tamin'ny nisian'ny oram-panala tany amin'ny tendrombohitaa Zalmona.15 Tendrombohitsa mahery ro tany havoan'i Basana; tendrombohitsa avo ro tany havoan'ny Basana.16 Nahoana Agnao ro mizaha am-pitsiriritana, agnao ry tany havoana, ao an-tendrombohitsa zay mirian'Andriamagnitsa hi toeram-ponenany? Hipetraka mandrakizay ao tokoa Yaveh.17Roa aligna reo kalesin'Andriamagnitsa, an'aligna ambonin'ny arivo; eo amindreo amin'ny fitoerana masina, toa ny tany Sinay ny Tompo. 18Nihoatsa ny avo Agnao; noferinaoreo babo; nandray fanomezana avy tamindreo zay niady taminao aza, mba hitoetsa any, Agnao, ry Yaveh Andriamagnitsa.21Isaorana anie ny Tompo, izay mitondra ny entantsika isan'andro isan'andro, ilay Andriamagnitsa zay famonjena ho antsika. Sela 20Ny Andriamagnitsika de Andriamagnitsa manavotra; ny Tompo Yaveh ro ilay mahay manavotra antsika amin'ny fahafatesana.19 Fa Andriamagnitsa de hamely amin'ny lohandreo fahavalony,, amin'ny volon-dohandreo zay mandeha amin'ny fandikan-dalàna manohitra Anazy.22y ny Tompo hoe: "Ho feriko mipody avy hatagny Basana reo fahavaloko; ho feriko mipody hatagny amin'ny lalan'ny ranomasina reo23 mba hahafahanao mamotika ny fahavalonao, mandroboka ny tongotsao amin'ny rà, sy mba hahafahan'ny lelanreo amboanao hamam-jara amireo fahavalonao."24Efa nahita ny filaharanao aho, Andriamagnitsa o, de ny filaharan'Andriamagnitso, mpanjakako, ao amin'ny fitoerana masina. 25Reo mpikalo ro nandeha aloha' nanaraka afara reo mpitendry valiha, ary tampovoany reo zatovovavy tsa nanambady mpively amponga tapaka.26Isaory Andriamagnitsa ao amin'ny fiangonana, miderà an'i Yaveh, agnareo ry taranak'Israely tokoa. 27Misy ny voalohany de i Benjamina, ilay foko bitika indrindra, manaraka reo mpitarik'i Joda sy reo mpanaraka andreo, reo mpitarik'i Zebolona sy reo mpitarik'i Naftaly.28Ny Andriamagnitsareo, ry Israely, defa nandidy ny tanjakao; asehoy agnay ny herinao, Andriamagnitsa o, toa ny nampisehoanao izany tamin'ny fotoana ela. 29Asehoy agnay hatany an-tempoly ao Jerosalema' zay anateran'ireo mpanjaka fanomezana ho Agnao, ny herinao.30Mihikà amin'ny ady hanohitsa reo bibidia any agnaty volotara, hanohitsa reo ona, ze habetsahan'ny ombilahy sy zanak'omby ze. Ahetreo reo ary ampitondrao fanomezana; aparitaho reo ona zay tea manangana ady. 31Andriana ro ho tonga hatany Egypta; i Etiopia haninjitra maika ny tanany ho any amin' Andriamagnitsa.32Mihirà ho an'Andriamagnitsa, agnareo fanjakan'ny tany; Sela Mihirà ho an'i Yaveh. 33Ho Anazy zay miakatsa amin'ny lanitry ny lanitra, zay nisy hatramin'ny fotoana taloha; indro, I manandra-peo amin-kery.34Ekeo ho an'Andriamagnitsa ny hery; an'Israely ny fiandrianany' ary eny an-danitsa ny heriny. 35Andriamagnitsa o, mahatahotsa Agnao amin'ny fitoerana masina; Ilay Andriamagnits,Israely-manome hery sy tamjaka ho an'ny vahoakany I. Isaorana anie Andriamagnitsa.Chapter 69
1Ho an'ny mpiventy hira; Shoshannim. Salamo nataon'i Davida. Vonjeo iaho Andrimagnitsa o; fa tadiavin'ny rano hidiran-doza ny fiaignako.2 Milentika agnaty fotaka mandrevo aho, ze tsa misy toerana hijoroana; agnaty laligna aho , zey igiridignan'ny rano be3Rokaka amin'ny fitaraignako aho; maigna ny tendako; tsa maharitsa eo am-piandrasana an'Andriamagnitso ny masoko. 4Be mihotsa ny volon-dohako ny tsa te anahy tsa amin'ny antony; manapaka anahy, manao anahy ho fahavalo amin'ny tsa rariny,de mahery;ze tsa nangalariko aby, de tsy mentsy hapodiko.5Andriamagnitsan o, fantatsao ny fahagigeko,de tsa misy asitrika anao ny heloko.6 Aza avela ho megnatsa noho ny aminahy ze miandry Anao ry Tompo Yaveh tompon'ny maro;aza avela ho afa-baraka noho ny aminahy ze miandry Anao,ry Andriamagnitsy ny Israely.7Noho Agnao ro itondrako latsa; hegnatsa ro manarogna ny tegnako.8 Nisolo ona hafa iaho amireo rahalahiko, vahiny ho an'ny zana-dreniko. 9Fa ny fahazotoako amin'ny tragnonao ro nandrapaka anahy, de ny latsan'ny ze mitarogna mahery anahy ro efa natrotrakao taminahy.13Fa lehe iaho aloha, de Aminao aho ro hivavaka amin'ny andro ze hagnikenao; valeo amin'ny famendreham-pitokisana ny amin'ny famonjenao iaho.14 Sitono hatao amin'ny fotaka aho de aza avela ho tototsa; mba alao lavitsa anahy ze tsa te anahy ko ho voavonjy hatamin'ny rano laligna. 15Aza avela ho tototsy ny rano aho na hiteligna anahy ny laligna. Aza avela hagnidy ny vavany aminahy ny lavaka.13Fa lehe iaho aloha, de Aminao aho ro hivavaka amin'ny andro ze hagnikenao; valeo amin'ny famendreham-pitokisana ny amin'ny famonjenao iaho.14 Sitono hatao amin'ny fotaka aho de aza avela ho tototsa; mba alao lavitsa anahy ze tsa te anahy ko ho voavonjy hatamin'ny rano laligna. 15Aza avela ho tototsy ny rano aho na hiteligna anahy ny laligna. Aza avela hagnidy ny vavany aminahy ny lavaka.16Valio iaho, Yaveh o, fa soa ny famindram-ponao;satria be ny fiantranao taminahy, mitodiha aty aminahy . 17Aza manitrika ny tavanao amin'ny mpanomponao, fa agnaty fahoriana iaho; valio malaky iaho.18Mirorogna de voneo iaho. Noho ny fahavaloko, avoto iaho.19 Fantatsao ny fandatsàna anahy,ny hegnatso de ny fahafaha-barakako; manoloagna Anao aby reo mpandrafy.20Nandratsa ny foko reo latsa; feno fahavesarana iaho; mitadia ona hiantra iaho, feny tsa nisy; nitadia mpampahery iaho, feny tsa nahita. 21Nagnome poizina anahy ho nohaniko reo; sy lakakaigna iaho de vinaigira ro nomendreo.22Mba ho fandrika ny latabatsa eo alohany; sy mieritseritsa reo de mitoatsa tsa managna ahiahy, de avilao zay ro ho fandrika. 23Enganie ny masondreo ho mezigna de tsa hahita; de ahozongozogno mandrak'aligna ny lamosindreo.24Arorogno amin-dreo ny fahasiahanao, de amitraho ny fahasiahanao hahatratsa an-dreo. 25Enganie mba ho foagna ny toetsan-dreo; aza avela hisy honigna amin'ny tragnony.26de mandoditsa ze nasianao reo. Nagnapodipody ny fitefotefon-dreo ze voaratsanao. 27Ampangao reo ho nahavita heloka miampy heloka; aza avela ho avy amin'ny fandrisenao mariana reo.28Avilao reo ho voafafa amin'ny Bokin'ny fiaignana ery tsa ho voasoratsa miaraka amin'ny ona mariana. 29Feny iaho mahantra sy malahelo; de avilao ny famonjenao, Andriamagnitso o, hametraka anahy amin'ny avo.30Hidera ny agnaran'Andriamagnitsa amin'ny hira iaho ary hanandratra Anazy amin'ny fisaorana.31 Ankasitrahan'i Yaveh bebe kokoa mihoatsa ny omby sy ombilahy zay manan-tandroka sy kitro zany.32Efa nahita izany ny malemy fagnahy de faly; agnao zay mitady an'Andriamagnitsa, aoka ny fonao ho velogna. 33Fa Yaveh mandeh ny ory ary tsa manao tsinontsinona ny gadrany.34Aoka ny lanitsa sy ny tany hidera Anazy, ny ranomasina sy ze rehetra mihetsiketsika ao. 35Fa Andriamagnitsa hanavotra an'i Ziona ary hanangana ndray reo tanànan'i Joda; hipetraka ao ny ona ka hanao izany ho fananana. 36Reo taranaky ny mpanompony handova izany; ary reo ze tea ny Agnarany de hipetraka ao.Chapter 70
1Ho an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'i Davida; mba hitondra ho amin'ny fahatsiarovana. 2Vonjeo iaho, Andriamagnitsa o! Yaveh o, tongava malaky ka avoty iaho. Aoka reo ze mitady hikinendry ny aiko ho menatsa sy ho afa-baraka; aoka reo hajanona sy ho tonga amin'ny fahafaham-baraka, reo ze mifaly amin'ny fanaintainako.3 Aoka reny hajanona noho ny henatr'ireny' reo manao hoe:" Aha, aha."4Aoka hifaly sy hiravoravo Aminao aby ze mitady Agnao; aoka ze tea ny famonjenao hitarogna mandrakariva hoe: "Hoderaina anie Andriamagnitsa." 5Nefa mahantra sy ory iaho; malakia amiko' Andriamagnitsa o; Agnao ro vonjy ho anahy ary manavotra anahy. Yaveh o, aza ela.Chapter 71
1Aminao, ry Yaveh, ro hialofako; aza avelanao ho megnatsa mihitsy iaho.2 Vonjeo iaho ary aoka hitoatsa tsa manan'ahiahy amin'ny fahamarinanao; atongilano aminahy ny sofinao ka avoty iaho.3 Meteza ho vatolampy fialofana ho anahy mba hahafahako mandeha; efa nanome baiko ny hanavotana anahy Agnao' fa Agnao ro vatolampy sy batery fiarovana ho anahy.4Vonjeo iaho, Andriamagnitsa o, amin'ny tanan'ny ratsy fagnahy' amin'ny tanan'ny tsa marina sy lozabe. 5fa Agnao ro fanantiniako, ry Tompo Yaveh. Efa nitoky taminao foana iaho hatramin'ny iaho vona kely.6Agnao ro nanankinana anahy hatrany am-bohoka; Agnao ro I ze nangalaka anahy hatagny an-kibon-dreniko; ho aminao foana ny derako. 7Fitaratra ho an'ona be iaho; Agnao ro fialofako mafy.8Ho feno fiderana Agnao ny vavako, ny andro tontolo amin'ny voninahitsao. 9Aza manary anahy amin'ny fotoan'ny fahanterana; aza mahafoy anahy lehe ketraka ny heriko.10Fa miresaka ny momba anahy reo fahavaloko; reo ze misoko ny aiko miara-miteti-dratsy. 11hoy reo hoe: " Nahafoy anazy Andriamagnitsa; enjeho i ary alao' fa tsa misy ona hanavotra anazy."12Andriamagnitsa o, aza manalavitra anahy; ry Andriamagnitso, faingàna hanavotra anahy. 13Aoka reo ho menatsa sy rava, reo ze feno fankahalana amin'ny fiainako; aoka reny ho rakotra latsa sy fahafam-baraka, reo ze mitady ny faharatrako.14Fa iaho koa dia hanantena mandrakariva Agnao ary hidera Agnao hatrany hatrany. 15Hitarona momban'ny fahamarinanao sy ny famonjenao manontolo andro ny vavako, na de tsa takatso aza izany.16 Ho avy aho amin'ireo asa maherin'ny Tompo Yaveh; hanonona ny fahamarinanao iaho, ny Agnao irery.17Andriamagnitsa o, efa nampianatsa anahy Agnao hatramin'ny fahatanorako; hatramin'izao aza de mitarogna reo asanao mahagaga iaho. 18Eny tokoa fa na de antirsa sy fotsy volo aza iaho, Andriamagnitsa o, de aza mahafoy anahy, satria efa nampahafantatra ny herinao tamin'ny taranaka mandimby iaho, ny fahefanao tamin'izay ho avy aby.19Ny fahamarinanao koa' Andriamagnitsa o, de tena avo; Agnao ze nanao zava-dihibe' Andriamagnitsa o, ia ro tahaka Agnao?20 Agnao ze manoro Agnay fahoriana mahery vaika maro ro hamelona Agnay sy hampiakatra agnay avy amin'ny lalin'ny tany ndraika.21Hampitombo ny voninahitsao anie Agnao; mitodiha ndraika ka herezo iaho.22 Hanolotsa fisaorana ho Agnao koa iaho amin'ny lokanga noho ny fahamendreham-pitokianao' ry Andriamagnitso; ho Agnao ro hihirako fiderana amin'ny lokanga, ry Ilay Masin'Israely.23Hihoby ny somotso rehefa mihira fiderana Agnao iaho- na de fanahiko aza' ze efa novonjenao. 24Hitarogna momba'ny fahamarinanao andro lava ny lelako; fa efa nomenarina reo ary very hevitsa, reo ze nitady ny faharatrako.Chapter 72
1Salamo nataon'i Solomona. Omeo ny mpanjaka reo lalànao marina,Andriamagnitsa o, ny fahamarinanao ho an'ny zanaka lahin'ny mpanjaka.2 Hitsara ny ona amin'ny fahamarinana anie i ary ny mahantranao amin'ny rariny.3 Hamoa fiadagnana ho an'ny ona anie reo tendrombohitsa; hamoa fahamarinana anie reo havoagna.4Hitsara ny mahantra amin'ny vahoaka i; hagnavotsa reo zanaky ny ory anie i ko hamotipotika ny mpampahory. 5Hagmome voninahitsa Anao anie reo lehe vona eo koa ny masoandro, sady lehe vona eo koa ny volagna maneragna ny taranaka hifandimby aby.6Hirotsaka salan'ny oragna egny amin'ny ahitsa voatapaka anie i, salan'ny rotsak'oragna ze manondraka ny tany. 7Hamogny anie ny ona marina amin'ny androny, sady hisy fiadagnam-be anie ambara-pahafoagnan'ny volagna.8Hanagna fanapahana amin'ny ranomasina mihoagny amin'ny ranomasina anie i. 9Hihohoka eo agnatrehany anie reo monigna agny agn'efitsa; handohalika eo agnatrehany anie ny fahavalony de hileleka vovon-tany. 10Handoa hetra anie reo mpanjakan'i Tarsisy sy reo nosy; hanolotsa fagnomezana anie reo mpanjakan'i Sheba sy Seba.11ho lavo eo agnatrehany aby tokoa anie reo mpanajaka; hanompo anazy aby anie reo firenena. 12Fa magnavotsa ny ona ory ze mitaraigna sy ny ona mahantra tsa managna mpagnavotsa hafa i.13Mamindra fo amin'ny mahantra sy ory i, sady magnavotsa ny ain'ona ory. 14Mamonjy ny ain'ny ze amin'ny fampahoriana sy herisetra i, sady sarobidy eo imasony ny ràn-dreo.15Ho velogna anie I! Homena Anazy anie ny volamenan'i Sheba. Hivavaka ho anazy hiany anie ny ona; hitahy anazy andro lava anie ny Andriamagnitsa. 16Hisy vary fatratsa anie egny amin'ny tany; egny amin'ny tampon-tendrombohitsa anie ro hisy ny volin-dreo. Ho sahalamin'ny an'i Libanona anie ny vikatsan'zey; hamogny tahaka ny ahitsy ny saha anie ny ona ao an-tanàna.17Haharitsa mandrakizay anie ny agnarany; haharitsa tahaka ny masoandro anie ny agnarany; ho voatahy so aminazy anie ny ona; hangaika Anazy hoe tretrika aby ny firenena.18Isaorana anie Yaveh Andriamagnitsa, zey Andriamagnits'Israely, I rery ro manao raha mahazendagna. 19Isaorana mandrakizay anie ny agnarany be voninahitsa, sady ho feno ny voninahiny anie ny tany manontolo. Amen de Amen. 20Tapitsa ny fivavahan'I Davida zanaka lahin'i Jese. Boky fahateloChapter 73
1Salamo nataon'i Asafa. Azo antoka tokoa fa Andriamagnitsa de soa ho an'Israely, ho an'ze madio fo. 2Fa lehe iaho aloha, de seky niborisaka ny tongoko; seky soloaka ny diako 3satria nitsiriritsa by mpirehareha aho sy nahita ny fahombiazan'NY ratsy fagnahy.4Fa tsa mba mijaly reo mandra-pahafatiny, fa de mahery sy voafahagna soa. 5Afaka amin'ny enta-mavesatsy by lihilahy hafa reo; tsa mba ory salan'ny ona hafa6Mandravaka rojo andreo tahakan'ny eo amin'ny vozony ny fireharehana; my herisetra ro tagnany salamin'ny akanjo. 7Hatagny amin'ny fahajambana salamizay to hiengan'ny ota; mamakivaky ny fon-dreo ny eritseri-dratsy.8Magneso sy mitarogna ratsy reo; amin'ny fiavognavognana to andrahoan-dreo fampahoriana. 9Ampanoherin-dreo by lagnitsa ny vavany , sady mamakivaky ny tany ny lelan-dreo.10Nohozay de nitodika amin-dreo ny onany ko rano be ro voagoka. 11Hoy reo hoe: "Akory ro ahalalan'Andriamagnitsa? Moa misy ve ao amin'ny Avo Indrindra?" 12Hivero soa: reo ona reo de ratsy fagnahy; tsa mivaky loha mihintsy reo, nefa roso mpanan-karem-be.13Raha tsy mitohoka de tsy mitohoka ny niambenako ny foko sy ny nanotako ny tagnana tamin'ny tamin'ny tsa fanagnan-tsigny. 14Fa nampahoriana sanandro lava aho sady noferina isa-maraina. 15Lehe nitarogna aho hoe:"Hotarogniko reo raha reo," de efa namadika ity taranaka mandimby ny zanako ty aho.16Leko zay aza de niezaka nagnakatsa reo raha reo aho, tena sarotsa taminahy anefa zey. 17Koa nandeha tao am-pitoerana masin'Andriamagnitsa tao aho ko mahatakatsa ny nanao an-dreo18Natoatsanao tamin'ny toerana malema tokoa reo ; naetrinao tamin'ny faharavana reo.19 So de roso karakaina tagnatin'ny fotoagna fohy reo! Roso amin'ny fahataperana reo sady miafara amin'ny horohoro mahafandriandriagna. 20Sahalan'ny nofy afaran'ny fifohazana reo; Tompo o, sy miarigna Agnao, de tsa hihevitsa na ina na ina amireo nofy ireo.21Fa nalahelon ny foko, sady voatsindrogna mihintsy iaho. 22Tsa mba nahafantatsa aho ery tsa lalin-tsaigna; salamin'ny biby tsa misy fotony aho manoloagna Anao.23Nefa aho miaraka aminao hiany; mitagna ny tagnako Agnao. 24Hitarika anahy amin'ny torohevitsao Agnao sady sy afaran'izay de handray anahy amim-boninahitsa.25Managna an'ia hafa-tsy Agnao moa aho agny an-dagnitsa agny? Tsa misy iriako indrindra hafa-tsy Agnao ety ambonin'ny tany. 26Miha-rokaka ny nofoko sy ny foko, fa herin'ny foko mandrakizay Andriamagnitsa.27Ho levogna ze lavitsa Anao; ho ringagninao aby ze tsa matoky Anao. 28Fa lehe iaho aloha, ny tokony ho ataoko de ny magnatogna an'Andriamagnitsa. Efa nanao ny Tompo Yaveh ho fifaliako aho. Hilaza ny asanao aby manontolo aho.Chapter 74
1askila nataon'i Asafa. Andriamagnitsa o, nahoana ro de mandà anay mandrakizay agnao? Nahoana ro de mirehitsa amin'ny ondrin'ny fihinan'ahitsanao ny fahatizeranao? 2Tsarò ny ona, zay dinoditsanao tamin'ny fotoagna taloha, ny foko zay efe navotanao ho lovanao manokagna,sy ny tendrombohits'i Ziona,ze ipitrahanao.3Miavia hijery ny faharavana tateraka, sy ny fahasimbana manotoloze nataon'ny fahavalo tamin'ny fitoerana masina. 4Mierogna eo egnivon'ny toerana voatondronao reo mpifagnandrigna aminao;mametraka ny saignan'ny adiny. 5Nanapatapaka amin'ny famaky salamin'ny ala mikitroka reo.6 Namotipotika sy nadrodagna reo sikotsa aby manotolo; vinakin-dreo tamin'ny famaky sy tatangnana.7Dinoron-dreo ny fitoeranao masina; manimbazimba ny fonegnanao,mangembogna anizay amin'ny tany. 8Hoy reo anaka-po hoe: "Ho potehinay manotolo reo." Noroandreo aby ny toeranao fihaognana tegny amin'ny tany.9Tsa mahita famantarana koa agnay; tsa mahita mpaminany koa, ary tsa misy mahalala aminay ho mpaka amiviana zao. 10Ho mpaka amiviana, Andriamagnitsa o, handifasandreo fahavalo opa agny Aminao? Moa dia hitarom-dratsy Agnao mandrakizay ve reo? 11Nahoana Agnao ro mitagna ny tagnanao, de ny tagna-kavananao? Alao tagnaty lamba ny tagna-kavananao ka ringano reo.12Ka Andriamagnitsa de Mpanjakako efa hatramin'ny taloha, mitondra famonjena amin'ny tany.13 Agnao ro nampisaraka ny ranomasina tamin'ny herinao; Agnao ro namotika ny lohan'ireo dragon'ny ranomasina.14Agnao ro namotipotika ny lohan'ny leviatana; Agnao ro namelona azy reo velogna tagny agnefitsa.15 Agnao ro namoaka loharano sy ny riaka, Agnao ro nandrindra ny ony mikoriana.16Agnao ny andro, Agnao koa ny aligna; Agnao ro nametraka ny masoandro amam-bolagna amin'ny toerany.17 Agnao ro efa nametraka reo vaza-tany rehetra. Agnao ro efa nanao ny fahavaratsa sy ny ririnina.18Tadidio reo naniratsiran'ny fahavalo Agnao, ry Yaveh, sy reo olo gegy ze nitaron-dratsy ny Agnaranao.19 Aza apetraka ao amin'ny bibidia ny ain'nyvoromailalanao. Aza adigno mandrakizay ain'ireo ona nampahoriana.20Tadidio ny fanekenao, fa ny faritsa maizignia amin'ny tany de feno toeran'ny herisetra.21 Aza avela hiverigna amin'ny hegnatsa ny nampahoriana; avelao hihoby ny Agnaranao ny mahantra sy nampahoriana.22Mitsangana, Andriamagnitsa o! arovy mihintsy ny voninahitsao; tsarovy ny fomba magneson'ny gegy Agnao andro lava.23 Aza magnadino ny feon'ireo mpifaninana Aminao nany tabatabandreo ze mihatsy Agnao tsa ankiato.Chapter 75Ho an'ny mp[iventy hira; atao Al-Tashheth. Salamo nataon'i Asafa,tonon-kira.
1Saotsa ro atolotsay Anao, Andriamagnitsa o;saotsa ro atolotsay, satria milaza ny fagnatrehanao Agnao; ny ona milaza ny asanao zay mahazendagna. 2Hitsara ara-drariny aho amin'ny fotoagna voatendry. 3Leko de hihovitsovitsa amin-tahotsa aza ny tany sy ny mponogna manotolo, de hamafisiko reo andrin'ny tany. Sela4Hoy aho amin'ny mpiavognavogna hoe: " Aza miavognavogna", ary amin'ny ratsy fagnahy hoe: " Aza manandratsa ny tandroka. 5Aza manandratsa ny tandrokao amin'ny avo; aza mitarogna amin'ny hatoka mpagnambany." 6Tsa avy agn' antsignanagna zao na hatagn'andrefana,ary tsa avy hatagn'agnefitsa mihintsy ro niavian'izay fanandratana zay.7Fa Andriamagnitsa ro mpitsara; I ro magnetry sady I ro manandratsa. 8Fa Yaveh mitagna amin'ny tagnany ny kapoaky ny divay mandroatsa, zay voaharo hagnitsa, sy mandraraka an'izay. Hisotro an'zay hatamin'ny fara-fekany tokoa ny ratsy fagnahy aby manotolo amin'ny tany.9Fa iaho aloha hitarogna hiany ze nataonao; hihira fiderana ho an'Andriamagnits'i Jakoba aho. 10Hoy I hoe:" Hanapaka ny tandroky ny ratsy fagnahy aby Aho, fa ny tandroky ny ona marina ho asandratsa ambony."Chapter 76
1Ho an'ny mpiventy hira ,amin'ny lokanga. Salamo nataon'i Asafa, tonon-kira. 2Nampahafantatsa ny tegnany tao Joda Andriamagnitsa ; lihibe ao Israely ny Agnarany. Ao Salema ny lainy; ao Ziona ny toerana fonegnany. 3Tagny I ro nanapaka reo zana-tsipìkan'ny tsipìka, ny ampinga, ny sabatsa , reo fitaovam-piadiana hafa. Sela4Mamirapiratsa ny fahazavanao sady mitarogna ny voninahitsao Agnao, lehe mirorogna hatagny amin'ny tendrombohitsa, tagny amin'ze namonoanao ny niharam-boignanao. 5Voababo ny mahery fo; ko renoka reo. Tsa afa-nanohitsa ny mpiady aby.6tamin'ny fitarognanao mahery, Andriamagnits'i Jakoba, de samy renoky ny torimaso na mpidingigna na ny soavaly. 7Agnao, eka Agnao,ro hatahorana; ia ro afaka hitsangagna eo imasonao sy masiaka Agnao?8Avy hatagn'an-dagnitsa ro nampandrinesanao ny fitsarannao; natahotsa sy nangigna ny tany 9lehe igny Agnao, Andriamagnitsa, nitsangagna hagnatanteraka ny fitsarana sy hagnavotsa ze nampahorian'ny tany. Sela10Hitondra fiderana ho Anao tokoa ny fitsaranao masiaka amin'olombelogna; tananao ho an'ny tegnanao ny sisa amin'ny fahatezeranao.11Manaova voady amin'Yaveh Andriamagnitsao de tàno. Hitondra fagnomezana ho Anazy ze hatahorana anie reo ze magnodidigna Anazy aby manotolo.12 Manapaka ny fagnahin'ny andriana I; sady hatahoran'reo mpanjakan'ny tany.Chapter 77
1Ho an'ny mpiventy hira; araka ny fomban'i Jedotona. Salamo nataon'i Asafa. Hangaika mahery an'Andriamagnitsa amin'ny feoko aho; Hangnaika an'Andriamagnitsa amin'ny feoko aho, de handre anahy ny Andriamagnitso.2Nitadia ny Tompo aho tamin'ny androm-pahoriako; naninjitsa ny tagnako aho sy aligna, ro tsa nety rokaka. Tsa nety nampiononina ny fagnahiko. 3Nieritseritsa an'Andriamagnitsa teo am-pisentoana aho; nieritseritsa ny momba an'Azy aho sy niha antitsa. Sela4Notananao tsa hikipy ny masoko; ory tateraka aho lehe hitarogna. 5Nisaintsaigna ny andro taloha aho, ny fotoagna be taloha.6Andrak'aligna de nahatsiahy ny hira nohiraiko ndraika mandeha aho. Nandinika soa aho sady niezaka nanakatsa ze niseho. 7Handà anahy mandrakizay ve ny Tompo? Tsa hankasitraka anahy koa ve I?8Moa ve tsa roso mandrakizay ny fitiavany? Moa ve tsa foagna ny fampagnatignany? 9Moa ve Andriamagnitsa efa nagnadigno ny maha mpamindra fo? Moa ve ny fahatezerany efa nagnidy ny fangoraham-pony? Sela10Hoy iaho hoe:"Zao ro alaheloko: de ny fiovan'ny tagnana ankavagnan'ny Avo Indrindra mihoagny amitsika."11Fa ho tsaroakao ny asanao, Yaveh; hisaigna ny amin'ny asanao zey mahazendagna taloha aho.12 Hisaitsaigna reo asanao aby manotolo aho ko handinika andreo.13Ny lalanao Andriamagnitsa o, ro masina; andriamagnitsa ina moa ro hampitahaina amin'Andriamagnitsa lihibe? 14Agnao ro Andriamagnitsa ze manao raha mahazendagna; efa nagnatoro ny herinao teo amin'olonao agnao. 15Nagnome fandresena ny vahoakanao tamin'ny alalan'ny herinao lihibe Agnao, de reo taranak'i Jakoba sy Josefa.16 rano nahita anao, Andriamagnitsa o; nahita anao ny rano, de reki-tahotsa; nihorohoro ny laligna. 17Nandraraka ranon'oragna ny rahogna. Ny habakabaka feno rahogna namoaka feo; Nifagnaretsaka ny tsipìkanao.18Ny feonao mikotroka de re amin'ny rivotsa; ny tselatsa nagnazava ny tany; nihorohoro sy nagnozongozogna ny tany. 19Nandalo tamin'ny ranomasina ny lalanao sady ny didinao tamin'ny ranon manonja, feny tsa hita ny dia-tongotsao. 20Nitondra ny vahoakanao salamin'ny biby fiompy tamin'ny alalan'ny tagnan'i Mosesy sy Arona Agnao.Chapter 78
1Maskila nataon'i Asafa. Mihinoa ny fampianarako, ra vahoakako, tainò reo tarogna aloaky ny vavako. 2Hamoha ny vavako amin'ny fagnoharana aho; hihira mahakasika ny zava-miafigna momban'ny raha taloha aho.3Zay de raha 'fa henonay sy 'fa nianaranay, raha efa tinaron'ny razambebay anay. 4Tsa hanitrika an'reo amin'ny taranany agnay. Hitarogninay amireo taranaka mandimby reo ny asa mendrim-piderana nataon'i Yaveh, ny heriny, de reo raha mahagaga efa vitany.5Fa nametraka didim-mpagnikena tamin'i Jakoba I, sady nanendry lalána tagny Israely. Nandidy reo razambenay I mba hampianatsa an'ireo amin'ny zanany. 6Nandidy an'zay I mba hahalalan'reo taranaka handimby reo didiny, de reo zanaka vona tsa teraka , zay tokony hitory anzao amin'ny zanany hiany.7DE hametraka ny fagnatignany amin'Andriamagnitsa reo ko tsa hagnadigno ny asany, fa hitandrigna ny didiny. 8 ko de tsa ho sahalamin'ny razambeny, ze mahery loha sy taranaka mpikomy, taranaka tsa mahintsy fo, tsa nanolotsa ny fagnahiny sy tsa nitoky tamin'Andriamagnitsa reo.)9Reo Efraimita de nitondra tsipìka, feny nihemotsa reo tamin'ny andron'ny ady. 10Tsa nitandrigna ny fagnekena tamin'Andriamagnitsa reo,sady nandà ny nankatò ny lalàny. 11Nagnadigno reo asany, reo raha-mahazendagna efa natorony andreo.12Nagnadigno reo raha maha-zendagna ze nataony teo imason'ny razambeny, tagny amin'ny tany Egypta, tany amin'ny tanin'i Ziona reo. 13Nagnasaraka ny ranomasina I sady nitondra andreo namakivaky anizay; nataony nitsangagna salamin'ny manda ny rano. 14Rahogna ro nitarihany Andreo sy atoandro, tamin'ny afo mazava sy aligna.15Vinakiny ny vatolampy tagny agn'efitsa, moment rano be fatratsa reo, ampy haminoana ny ranomasina. 16Nampikororoka rano avy tamin'ny vatolampy I sady nataony nogororoka Tahaka ny renirano zay.17Nefa de vona nanohy nanota taminazy hiany reo, fikomiana tamin'ny Avo indrindra tagny agn'efitsa. 18Nihatsy ady an'Andriamagnitsa reo, tamin'ny alalan'ny fangatahan-kanina mba hahavoky andreo.19Nitarogna nanohitsa an'Andriamagnitsa reo; zao ro nataon-dreo hoa:" Afaka mamelatsa latabatsa ho anay agny agn'efitsa tokoa ve Andriamagnitsa? 20Jireo, lehe namaky ny vatolampy I, deniraraka ny rano sady nikororoka nandifotsa. Feny afaka magnome mofo koa ve I? Hamatsy hena ho an'ny vahoakany ve I?"21Sy ren'I Yaveh zay, de nasiaka I; de dinorony tamin'ny afo Jakoba,sady namely ny Israely ny hasosorany, 22satria reo de tsa nino an'Andriamagnitsa sady tsa natoky ny famonjeny.23Feny nandidy ny habakabaka ambony I sady namoha ny varavaran'ny lagnitsa. 24Nandraraka mana salamin'ny ranon'oragna mba hohanin-dreo I, sady nagnome vary andreo hatagny an-dagnitsa. 25Nihinagna ny mofon'anjely by vahoaka. Nandefa hanim-be ho andreo I.26Nampitsoka ny rivotsa avy hatagny atsignanana tegny amin'ny habakabaka I, sady tamin'ny alalan'ny heriny ro nibekoany my rivotsa hatagny atsimo. 27Nanotraka hena teo amindreo tahaka ny vovoka I, vorogna be salamin'ny fasi-dranomasina. 28Reo de nitrotraka teo ampovoan'ny tobin-dreo, nagnodidigna by laing aby.29De nihinagna reo ko voky. Nomeny andreo ze niriany fatratsa.30 Feny vona tsa afa-po hiany reo; ny haniny nefa vona tegny am-bavany.31Ko de namely andreo ny fahatezeran 'Andriamagnitsa ary namono ny matanjaka indrindra tamindreo. Nandalo ny kilonga lahin'Israely I. 32Leko de teo aza zay,de vona nanota hiany reo, tsa nino reo asa mahazendagna.33Noho zay Andriamagnitsa nagnafohy ny androndreo; ary feno horohoro ny taognany.34 Lehe nampahorian'Andriamagnitsa reo, de nanomboka nitadia Anazy, sady nipody nitadia Anazy fatratsa.35Ho tsaroan-dreo fa Andriamagnitsa ro vatolampin-dreo sady Andriamagnitsa Avo Ndrindra ro mpamonjy anazy. 36Feny mody manao vava malemy Aminazy reo sady handenga Aminazy amin'ny fitarognandreo. 37Satria ny fondreo vona tsa niorigna tanteraka taminazy, sady sady reo tsa nitagna ny fagnikeny.38Fa I kosa, amin'ny maha mpamindra fo, de namela ny helo-dreo ro tsa namotika andreo. Eka, matetika I ro mitagna ny hasosorany, ra sady tsa nagnetsika ny fahavignirany aby manotolo.39Tsaroany fa reo de tamin'ny nofo, rivotsa mandalo sady tsa mipody koa. 40Impiry moa reo ro nikomy hanohiotsa Anazy tagny agn'efitsa sady nampalahelo Anazy tagny amin'ny tany ngazagna! 41Nandragotsa an'i Yaveh hiany ko roso nanafitohigna an'i Ray Masin'Israely.42Tsa nisaigna ny amin'nby heriny reo, tamin'ny nagnavotany andreo tamin'ny fahavalony, 43lehe nagnatanteraka reo famantarany mampihorohoro tagny Egypta sy reo raha mahazendagna tagny amin'ny faritanin'i Ziona I.44Navadiny ho rà ny onin'i Egypta mba tsa hahafahandreo misotro eo amin'ny renirano. 45Nandefa andian-dalitsa nandevogna andreo I sy sahogna niely tamin'ny tanindreo. 46Nomeny ny sompanga ny fambolen-dreo ny sasany nomeny valala.47Pinotiny tamin'ny havandra ny voalobon-dreo sady ny aviaviny tamin'ny havandra be.48 Nandraraka havandra tamin'ny biby fiompin-dreo sy varatsa tamin'ny ondry aman'osin-dreo I. 49Nanjera andreo tamin'ny firihetan'ny fahasosorany. Nandefa ny fahavignirana, hatizerana, sady fahoriana tahaka ny andiany mitondra loza I.50Nagnamarigna ny lalagna ho an'ny fahatizerany I; tsa niaro andreo tamin'ny fahafatesana I; fa nanolotsa andreo amin'ny areti-mandringagna. 51Vinonony aby ny lahimatoa tao Egypta , ny voalohan-teraky ny herin-dreo tao an-dain'i Hama.52Nitondra ny olony nienga salamin'ny ondry I sady nitarika sndreo tagny agn'efitsa salamin'ny andian'ondry.53 Niferiny am-pilamignana reo ko tsa natahotsa, fa ranomasina nandifotsa ny fahavalony.54Nitondra an-dreo tagny amoron'ny tany masina I,tamizay tendrom-bohitsa zay hazan'ny tagnany ankavagnana zay. 55Drinokany reo firenena teo alohan-dreo sady tinendriny ho lovany. Nampitoatsa reo fokon'israely tao an-dain-dreo I.56Nefa nandrangotsa sy nandá an'Andriamagnitsa Avo Ndindra reo sady tsa nitandrigna reo didy masiny. 57Tsa natoky reo sady nivadika salamin'ny razany; nania salamin'ny tsipìka manjiona reo.58Satria reo nampasiaka Anazy tamin'ny fitoerana avon-dreo sady nihantsy ny hasarotam-piarony tamin'ny sampy. 59Sy nandre an'zay Andriamagnitsa, de nasiaka sy nandà tateraka an'Israely.60Namela ny fitoerana masina tao Silo I, de ny lay ze nitoerany teo amin'ny vahoaka. 61Namela ny tanjany ho babo I, ro nagnome ny voninahiny ho eo an-tagnan'ny fahavalo.62Nanolotsa ny olony ho amin'ny sabatsa I, ary nasiaka tamin'ny lovany. 63Ny afo nandevogna ny kilongalahiny, ary ny kilongampelany tsa mba nanagna hira fampakarana.64Lavon'ny sabatsa reo mpisorognany, sady tsa naha-tomagny reo mpitondrategnan-dreo. 65Sy ahateo de nifoha salamin'ny mpiady mangaingaika nohon'ny divay. 66De nandroaka reo fahavalony I; ary nametraka an-dreo ho amin'ny hegnatsa mandrakizay.67Nolaviny ny lain'i Josefa, sady tsa nifidy ny fokon'i Efraima I. 68Ny fokon'i Joda sy ny tendrombohitsa Ziona tiany ro nofinidiny. 69Nagnorigna ny fitoerany masina salamin'ny lagnitsa i, ary salamin'ny tany ze efa naoriny mandrakizay.70Nifidy an'i Davida, mpanompony I, ary nagnalaka anazy avy tagny am-balan'ondry. 71Nagnalaka anazy avy tamin'ny fagnarahana reo ondry vavy miaraka amin'ny zanany I, sady nitondra anazy ho mpiandry an'i Jakoba , vahoakany,vahoakany, sy an'Israely, lovany. 72 Niandry anazy tamin'ny fahitsian'ny fony i Davida, ary nitondra andreo tamin'ny fahaizan'ny tagnany.Chapter 79Salamo nataon'i Asafa.
1Andriamagnitsa ô,firenen-kafa to efa avy eo amin'ny lovanao; efa voaloton-dreo by tempolinao masina ; efa nanao an'i Jerosalema hoantontam-pandravana reo. 2Efa nagnome ny fatin'ny mpanomponao ho hanin'ny vorogna reo, ny nofon'olonao matoky ho an'ny bibin'ny tany.3 Efa nakororokandreo salamin'ny rano magnodidigna an'i Jerosalema ny ràn-dreo, ro tsa mba nisy ona nandevigna andreo.4Afa-baraka amin'ny namanay mihintsy agnay, eso sy fihomezana ho an-dreo ze magnodidigna anay. 5Sy viana, Yaveh o? De hiegnina hasiaka aminay hiany mandrakizay ve Agnao? Sy viana ke ro handoro salamin'ny afo?6Arotsaho amin'ny firenena ze tsa mahalala anao sy amin'ny fanjakana tsa manao ny fiantsoana amin'ny agnaranao ny fahatizeranao. 7 Fa efa nandevogna an'i Jakoba sy nandrava ny tanànany reo.8Aza mitagna ny fahotan-dreo razam-benay hanohitsa anay; aoka ny asan'ny famindram-ponao ro ho avy aminay, fa tena osa agnay. 9Apeo agnay, Andriamagnitsy ny famonjenay, noho ny amin'ny voninahitsy ny agnaranao; vonjeo agnay sady mamelá ny helokay nohon'ny agnaranao.10Nahoana reo firenena reo ro tokony hitarogna hoe:"Aia ny Andriamagnitsan-dreo?" Aoka ny ràn'ny mpanomponao ze natrotraka ro hamaly faty reo firenena eo agnatrehan'ny masonao.11 Aoka ny fisenton'ny gadra ro ho avy eo alohanao; amin'ny fhalibiazan'ny fahefanao ro hitagnana reo zanaky ny fahafatesana ho velogna.12Valio impito heny eo am-pofoan'ny firenena akaiky anay mihoatsa ny faniratsirana ze efa naniratsirany Anao, Tompo o. 13Fa agnay olonao sy ondry fiandrinao de hagnatitsa fisaorana Agnao mandrakizay. Hagnambara Anao agnay amin'reo taraka aby.Chapter 80Ho an'ny mpiventy hira, natao tamin'ny fomban'i Al-shoshanim-edoth. Salamo nataon'i Asafa.
1Mitainoa, ra mpiandry ny Israely, Agnao ze mitarika an'i Josefa ho toy ny andian'ondry; Agnao ze mitoatsa eo ambonin'ny Kerobima, mamirapiratsa eo aminay!2 Eo imason'i Efraima sy Benjamina ary Manase, ampiharo ny fahefanao; miavia de vonjeo agnay. 3Andriamagnitsa o, ampodiano agnay; ampamirapirato aminay ny tavanao, de ho voavonjy agnay.4Ry Yaveh Andriamagnitsa tompon'ny rehagna, sy viana Agnao ro hasiaka amin'ny olonao lehe mivavaka reo? 5Agnao efa namahagna andreo tamin'ny mofon-dranomaso sady nagnome andreo ranomaso fatratsa hosotroany. 6Manao anay ho raha hifandirana ho an'ny namany aminay Agnao, ary ny fahavalonay mihehy ny momba anay eo amindreo.7Ry Andriamagnitsa tompon'ny maro o, apodianao agnay; ampamirapirato aminay ny tavanao, de ho voavony agnay. 8Agnao nitondra voaloboka avy tagny Egypta; ko nandroaka reo firenena sy namboly anzany.9Nagnadio ny tany ho amin'zay Agnao; nitombo faka zay de nameno ny tany. 10Voarakotsy ny alokaloka ny tendrombohitsa, reo sederan'Andriamagnitsa alofan'ny sapany. 11Naparitany hatagny amin'ny ranomasina reo sapany de ny sakeliny tamin'ny Ony Efroata.12Nahona ro noravanao ny mandany mba hiotazan-dreo ze mandalo aby ny voany. 13Reo lambo hatagny agn'ala manimba anizay, de ny bibin'ny saha mihinagna anizay.14Mipodiana, Andriamagnitsa tompon'ny maro o; tsinjovy hategny an-dagnitsa de diniho sy karakarao ty voaloboka ty. 15Ty ro fakany ze nambolen'ny tagnanao ankavagnana, ny sampany ze nampitsirianao. 16Dinoro zay sady tinapaka; maty nohon'ny fahasiahana reo.17Ny tagnanao anie ho eo amin'ny olon'ny tagnanao ankavagnana, zanak'ona ze nampahirezinao ho Anao. 18De tsa hiala Aminao agnay; vilomy ndraika agnay, de hangaika ny agnaranao.19Yaveh Andriamagnitsa tompon'ny maro, ampodiano agnay, ampamirapirato aminay ny tavanao, de ho voavonjy agnay.Chapter 81Ho an'ny mpiventy hira; atao amin'ny fomba Gitita. Salamo nataon'i Asafa.
1Mihirà mahery ho an'Andriamagnitsa heritsika;mangeha mahery amin'ny hafaliana ho an'Andriamagnits'i Jakoba. 2Venteso ny hira de vilezo ny apongatapaka, ny lokanga mahafinaritsa miaraka amin'ny valiha.3 Tsofy ny tandrok'anjomara amin'ny andron'ny volagna vaovao, amin'ny volagna fenomanana, sy miatomboka ny andro firavoravoantsika.4Fa lalàna ho an'Israely zay, didy nomen'Andriamagnits'I Jakoba. 5Nampiengany ho fitsipika ao amin'i Josefa zay sy nandeha nanohitsa ny tany Egypta i, sy nandrinesako feo tsa fantako:6Nalaiko ny enta-mavasatsa teo an-tsorony, afaka tamin'ny fitagnana harogna ny tagnany. 7Nangaika mahery tao agnatin'ny alahelonao agnao, de namonjy anao Aho; namaly anao tamin'ny kotro-drahogna mezigna Aho. Nitsapa anao tao amin'ny ranon'I Meriba Aho. Sela8Mitainoa, ra vahoakako, fa hampitandrigna agnareo aho, ra Israely, lehe mba nihaino Anahy mako agnareo! 9Tsa tokony hisy andriamagni-kafa eo aminareo; tsa mahazo manompo andriamagni-kafa agnareo. 10Iaho ro Yaveh Andriamagnitsareo, ze nitondra anareo hatagny amin'ny tany Egypta. Vohao midagnadagna ny vavanareo, de hameno anzay Aho.11Fa tsa nihaino ny taroko ny oloko, tsa nankatò Anahy ny Israely.12 Ko de natolotso teo amin'ny hamafisan-dohan-dreo hiany reo mba hahafahany manao ze hitany fa mety aminazy.13Eh, lehe mba mihaino anahy ny oloko; eh, lehe mba andeha tamin'ny lalako ny oloko. 14De haringako malaky ny fahavalon-dreode hahinjitso hanohitsa ny mpampahory andreo ny tagnako.15Enga anie reo ze mankahala an'i Yaveh hiankohoka amin-tahotsa eo agnatrehany! Ho megnatsa mandrakizay mandrakizay anie reo. 16Ho fahanako vary soa ndrindra ny Israely; homeko fahafaham-po amin'ny tintely avy amin'ny vatolaampy agnareo."Chapter 82Salamo nataon'i Asafa.
1Andriamagnitsa de ao amin'ny fiangonana masina; eo ampovoan'ny andriamagnitsa ze omeny fitsarana. 2Sy viana ro hitsaranareo tsa ara-drariny sy hanoro fiangarana amin'ny ratsy fagnahy? Sela3Arovy ny mahantra sy ny kamboty; omeo rariny ny ory sy ny malahelo. 4Vonjeo ny mahantra sy ny ory; afaho amin'ny tagnan'ny ratsy fagnahy reo.5Tsa nahafantatsa na nahatakatsa mihintsy reo; nirenireny tagnatin'ny ezigna reo nirodagna aby reo fioregnan'ny tany manotolo."6Hoy iaho hoe: " Agnareo ro andriamagnitsa,ary agnareo aby de zanaky ny Avo Ndrindra. 7Leko zay aza de ho maty salamin'ona sy ho lavo salamin'ny raika amin'reo andriana hiany agnareo."8Mitsangàna ,Andriamagnitsa o, tsarao ny tany, fa managna lova amin'ny firenena aby manotolo Agnao.Chapter 83Tonon-kira. Salamo nataon'i Asafa.
1Andriamagnitsa o, aza mangigna! Aza manao tsinotsinona anay ary mitoera fa aza mamitsaka, Andriamagnitsa o. 2Io, mikomy ny fahavalonao, sady reo ze manakahala anao de efa nampitraka ny lohany.3Mitetika hanohitsa ny olonao reo ro niara-nikasa ny hanohitsa reo voaaronao.4 Efa nitarogna reo hoe:" Avia , de andao atsika hamotika andreo salamin'ny firenena raika. De tsa ho tsaroana koa ny agnaran'Israely." 5De niara nitetika paik'ady raika reo; ko nitraoka hanohitsa Anao.6De ny lain'i Egoma sy ny Ismaelita, ary ny vahoakan'i Moaba sy reo Hagrita, ze niara-niteti-dratsy tamin'i 7Gebala, Amona, Amaleka; de ny filistia sy reo mponin'ny Tyro.8Nitraoka tamin-dreo hiany koa Asyria; manampy ny taranak'i Lota reo. Sela9Ataovy amin-dreo salamin'ny nataonao tamin'i Mediana, ary tahaka ny nataonao tamin'i Sisera sy tamin'i Jabina tao amin'ny ony Kisona. 10Maty tagny En-dora reo sady roso salamin'ny zezika ho an'ny tany.11Ataovy salamin'i Oreba sy Zeba ny mpanapan-dreo,sady salamin'i Zeba sy Zalmona ny andrian-dreo aby manotolo. 12Hoy reo hoe: "Andao alaintsika ho antsika ny tany fihinanam-bilognan'Andriamagnitsa."13Andriamagnitso o, ataovy salain'ny tadio, salamin'ny akofa eo eo alohan'ny rivotsa, 14salamin'ny afo mandoro ny ala, ary salamin'ny lelan'afo ze mampirehitsa ny tendrombohitsa reo. 15Hazao amin'ny rivotsa amin'ny rivo-maherinao reo, de ampihorohoro amin'ny tafio-drivotsao.16Fino hegnatsa ny tavan-dreo mba hitadiavany ny agnaranao, Yaveh o. 17Ho megnatsa sy hangorohoromandrakizay anie reo; ary ho maty agnaty fahafaham-baraka.18De ho fantan-dreo fa Agnao rery hiany, Yaveh,ro Avo Ndrindra manerana ny tany aby.Chapter 84Ho an'ny mpiventy hira; atao amin'ny fomba Al-Hagitih. Salamo nataon'ireo zanakalahin'i kora.
1 Endrey ny hakanton'ny toerana zay itoeranao, ry Yaveh Tompon'ny maro!2 Magniry fatratra ny kianjan'i Yaveh aho efa nahaketraka ahy ny fagniriako zany. ny fako sy ny momba ahy rehetra mangaika an'Andriamanitsa velogna.3Na ny fody aza nahita fipetrahagna hoanazy ary ny tsikirity mahita akany hoan'ny tegnany mbva hametrahany ny zanany marriny ny alitaranao, ry Yavehb Tompo'ny maro, mpanjakako, sy Andriamagnitso. 4Tretrika reo zay mitoatsa ao an-tranonao; ary hidera Agnao hatrany reo.5Tretrika ny ona ze manan-kery ao Aminao. Ze magnana lalam-be miakatsa mandeha any Ziona ao am-pony. 6Hahita loharano hosotroany reo, egny am-pamakivakiana ny lohasahan-dranomaso. Ny lohaorana handrako-pitahiana anizany.7Avy miha-mahery am-pandehanana reo; ny kiraidraika amin-dreo ro miseho eo anatrehan'Andriamagnitsa any Ziona. 8Yaveh Andriamagnitsa Tompon'ny maro o! mandrinesa ny fivavako; ry Andriamagnits'i Jakoba o, tainò ze lazaiko! Sela. 9Andriamagnitsa o, ambeno ny ampinganay;manihoa fiahiana ho an'ny voahosotsao.10 Fa ny andro raika ao ankianjanao de lihibe lavitsa mihoatsa ny arivo agnan-dain'ny hafa. Aleoko miambigna ny vavaravargnin'ny tragnon'Andriamagnitsa toy zey mitoatsa an-dain'ny ratsy fagnahy.11Yaveh Andriamagnits ro masoandro sy ampinga ho anay; hagnome fahasoavana sy voninahitsa Yaveh; tsa hitagna raha soa hatamin-dreo mandeha amin'ny fahitsiana i. 12Ry Yaveh Tompon'ny maro o, tretrika ny ona ze matoky anao.Chapter 85Ho an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'reo zanak'i Kora.
1 Yaveh o, efa nagnatoro sitraka tamin'ny taninao Agnao; napodinao tamin'ny laoniny ny fifalen'i Jakoba. 2Efa naelanao ny heloky ny olonao; efa nosarognanao ny otan-dreo aby. Sela3Efa nagnalaka nyfahavigniranao Agnao; efa niala tamin'ny hatizerna mahamay agnao.4 Apodiano agnay, Andriamagnitsy ny famonjena anay, ary aoka hiala aminay ny tsa fahafalianao, hasiaka aminay mandrakizay ve Agnao? 5De hitoatsa hasiaka amin'ny taranaka mandimby aby manotolo ze ho avy ve Agnao?6Tsa hamellogna anay ndraika koa ve Agnao? De ho faly aminao ny vahoakanao. 7Atorò anay ny famindram-ponao, Yaveh, tantiraho aminay ny famonjenao.8iheno ze tarògnin' Yaveh Andriamagnitsa aho, fa hihavana amin'ny onany I, sy reo mpanara-dia mahatokiny. Eko tsa hopody amin'ny lalan'ny fahadalàna ndraika koa reo. 9 Ny famonjeny de azo antoka fa eo agnilan'ny ze matahotra Anazy; de hitoatsa amin'ny taninay ny voninahitsa.10Nifanojo ny fifagnekena mahatoky sy ny fahamendreham-pitokiana; efa nifampitohoka ny fahamarinana sy ny fiadagnana. 11Miboiboika avy amin'ny tany ny fahamendreham-pitokiana, ary fahamarinana mitsirika hategny amin'ny lagnitsa.12Eka, Yaveh hagnome reo fitahiany soa, sady hamokatsa ny taninay. 13Ny fahamarinana handeha eo alohany, sady hanao lalagna ho anny diany.Chapter 86Vavaka nataon'i Davida.
1Mitainoa, Yave oh, de mamale anahy, fa mahantra sy mijaly aho. 2Arovo aho, fa tsa mpivadika; Andriamagnitso, vonjeo ny mpanomponao ze mitoky aminao.3Mamindrà fo aminahy, Tompo oh, fa mitagny aminao andro lava mihintsy aho. 4Ampifaleo ny mpanomponao, fa aminao ro hivavahako, Tompo o.5Soa, Agnao, Tompo oh, sady vonona hamela heloka, ary magnatoro famindram-po lihibe ho an'ze mitaraigna aminao Agnao. 6Yaveh, mitainoa ny fivavako; mandrinesa ny ny feon'ny fangatahako. 7Mangaika Anao aho tamin'nny androm-pahoriako, de hamaly anahy agnao.8Tsa misy leko raika aza azo ampitoviana Aminao amireo andriamagnitsa, Tompo oh. Tsa misy asa sahalamin'ny asanao. 9Ny firenena aby ze efa namboarinao de ho avy handohalika eo agnatrehanao, Tompo oh. De hagnome voninahitsa ny agnaranao reo.10Fa lehibe agnao sady manao raha mahazendagna; Agnao rery ro Andriamagnitsa. 11Ampianaro anahy reo lalanao, Yaveh oh. De ho roso amin'ny fahamarinana aho. Ampiraiso ny foko mba hanoroako fagnajana aminao. 12Tompo oh Andriamagnitsa oh, hidera anao amin'ny foko manotolo aho; hagnome voninahitsa ny agnaranao mandrakizay aho.13Fa lihibe ny famindram-ponao aminahy; efa namonjy ny aiko tamin'ny halalin'ny fiagnan-tsy hita Agnao. 14Andriamagnitsa o, efa nitsangagna hanohitsa anahy ny mpiavognavogna. Ny andian'ona mahery setra mifofo ny aiko. Tsa mba mihevitsa Anao reo.15Fa Agnao Tompo oh, Andriamagnitsa mpamindra fo sy be fahasoavana, mahari-po sady be famindram-po sy mendrim-pitokiana. 16mihireha aminahy de managna indra-fo; omeo ny herinao ny mpanomponao; vonjeo ny zanaka lahin'ny mpanompovavinao. 17Aneho famantarana ny sitrakao aho. Reo ze mankahala anahy de hahita anizay de ho megnatsa satria AgnaoYaveh, efa nagnampy anahy sy nampionona anahy.Chapter 87Salamo nataon'reo zanaka lahin'i Kora; tonon-kira.
1Egny an-tendrombohitsa masina ro mitsangagna ny tagnana ze naoriny; 2Tian'i Yaveh ny vavahadin'i Ziona mihoatsa ny lain'i Jakoba. 3Tarognina aminao ny raha maresaka, ro tanànan'Andriamagnitsa. Sela4Tognoniko ho mpagnara-dia anahy Rahaba sy Babylona.Io , reto Filistia, sy Tyro, miarakamin'i Etopia hanao hoe: " Teraka teo."5Ny amin'i Ziona de ho lazaina hoe: " Ny tsiraindraika tamindreo de teraka teo; de ny Avo indrindra mihintsy ro hagnorigna anazy." 6Soratan'i Yaveh eo emin'ny bokin'ny fagnisan'ny firenena hoe:" Teraka tao io." Sela7Ko ny mpihira sy n y mpandihy hiara-hitarogna hoe:" Ao aminao ao aby ny fialofako."Chapter 88Tonon-kira, salamo nataon'reo zanaka lahin'i Kora; Ho an'ny mpiventy hira; atao amin'ny fomba Mahalata Leanota. Maskils nataon'i Hemana Ezraita.
1Yaveh oh, Andriamagnitsy ny famonjena anahy,hitagny mahery eo agmatrehanao andro aman'agnaligna aho.2 Mitainoa ny fivavako; hino ny fitaraignako.3Fa feno fahoriana aho, fa nahatratsa ny fiaignan-tsy hita ny aiko. 4Ny ona mihevitsa anahy salamin'ny mirorogna agny an-davaka; lihilahy tsa mba manan-kery aho.5Nafoy niaraka tamin'ny maty aho; iaho de koa maty ao am-pasagna, ze tsa nivakianao loha koa satria nalainao niala tamin'ny herinao reo. 6Natoatsanao tagny amin'ny farany ambanin'ny lavaka , ao amin'ny aizigna sy toerana laligna aho.7Mavesatsa aminahy ny fahatizeranao, de migetraka eto aminahy aby ny ojanao. Sela8Noho Agnao, de milefa anahy ze mariny anahy. Efa nataonao ho fijery manafitohigna andreo aho. Voafandrika aho sady tsa afaka hilefa.9Miha rokaka ny fahoriana ny masoko; hangaika Anao amin'ny andro lava aby aho, Yaveh, avelatso ko anao ny tagnako. 10Hanao raha mahazendagna ho an'ny maty ve Agnao? Reo ze maty ve hitsangagna hidera Anao? Sela11Ho lazaina ao am-pasagna ve ny famindram-ponao, de ny tsa fivadihanao agny amin'ny toeran'ny maty? 12Ho fantatsa agny amin'ny aizigna ve reo asa mahagaganao, leko ny fahamarinanao agny amin'ny toeran'ny fagnadinoana?13Fa mitagny aminao an'iaho, Yaveh; ho avy eo agnatrehanao ny fivavako sy maraigna. 14 Yaveh, nahoana iaho ro lavinao? Nahoana ro asitrikao aminahy ny tavanao?15Efa nampahoriana hiany iaho ro seky maty tamin'ny fahatanorako. Nampijalian'ny horohoronao aho; de mamoy fo. 16Fa nandalo taminahy teo ny fihetsika niaraka amin'ny fahasiahana. Efa nandringagna anahy ny asa mampihorohoronao.17Nameno anahy salamin'ny rano isan'andro aby reo; efa nagnodidign anahy aby reo. 18Efa nampagnalavirinao anahy ny sakaiza sy ny mariny anahy aby. Sady ny famaizana hiany ro mariny anahy.Chapter 89Maskilan'i Etana Ezraita .
1Hihira ho an'ny asa fagnikena mahatokin'i Yaveh mandrakizay iaho. Hilaza ny fahamarinanao amin'ireo taranaka ho avy iaho. 2Fa iaho efa nitarogna hoe; "Efa natoatsa mandrakizay ny fagnikena mahatoky; efa natoatsanao agny an-dagnitsa ny fahamarinanao."3Efa nanao fifagnikena tamin'ny voafidiko Aho, efa nanao fianiagnana tamin'i Davida mpanompoko Aho. 4Hampitoatsa mandrakizay ny taranakao Aho, ro hampitoatsa ny seza fiandriagnanao magneragna ny taranaka aby manotolo." Sela5Midera reo fahagagana ataonao ny lagnitsa, Yaveh o; deraina ao amin'ny fiangonanan'ny masina ny fahamarinanao.6 Fa ia egny an-dagnitsa ro azo ampitahaina amin'i Yaveh? Ia tamin'ny zanaka lahin'ny andriamagnitsa ro mitovy amin'i Yaveh?7I de Andriamagnitsa zey nomena voninahitsa lihibe tao amin'ny filan-kevitsin'ny masina sady nahazendagna ny nagnodidigna Anazy aby manotolo. 8Yaveh Abdriamagnitsa Tompon'ny maro oh, ia ro mahery salanao, Yaveh? Manafotsa anao ny fahamarinanao.9Mamehy ny ranomasina mahery Agnao; sy manonja reo, de mampitony Agnao. 10Tinorotoronao salamin'ona vinono i Rahaba.Tamin'ny sandrinao mahery ro nagnilezanao ny fahavalonao.11Anao ny lagnitsa, eko ny tany koa. Nahary zao tontolo zao sy ze eo aminy aby Agnao. 12Namorogna ny atsimo sy avaratsa Agnao. Mifaly amin'ny agnaranao i Tabara sy Hermona.13Managna sandry mahery sy tagnana mahery Agnao, sady avo ny tagnanao ankavagnana. 14Ny fahamarinana sy fitsaràna ro fagnambanin'ny seza fiandriagnanao. Avy eo agnatrehanao ny fagnikena mahatoky sy fahamendreham-pitokiana.15Tretrika ny ona ze manompo Anao! Yaveh o, mandeha amin'ny fahazavan'ny tavanao reo. 16Mifaly amin'ny agnaranao mandrakizay ireo, sady amin'ny fahamarinanao ro hanandratany Anao.17 Agnao ro voninahitsy ny herin-dreo, ary mpandresy amin'ny fankasitrahanao agnay. 18Fa an'i Yaveh ny ampinganay; ny mpanjakanay de I ly Masin'Israely.19Tagny aloha tagny de nitarogna tamin'ny mahatokinao tagnaty fahitana Agnao; hoy Agnao hoe: " EFa nametraka satro-bininahitsa teo amin'ny mahery Aho; efa nanandratsa voasafidy raika tamin'ny vahoaka iaho. 20Nifidy an'i Davida mpanompoko Aho; tamin'ny diloiloko masina ro nagnosorako anazy. 21Hanohagna anazy ny tagnako; hampahery anazy ny sandriko. 22Tsa misy fahavalo hamitaka anazy;tsa misy zanaka lahin'ny ratsy fagnahy hampahory anazy. 23Ho torotoroako eo alohany reo fahavalony; ho vonoako reo ze mankahala anazy.24Ny fahamarinako sy ny fagnekeko mahatoky ro homba anazy; ho mpandresy amin'ny agnarako i. 25Hapetrako eo ambonin'ny ranomasina ny tagnany eko ny tagnany ankavagnana eo ambonin'ny ony. 26Hangaika Anahy i hoe:" Agnao ro Raiko, Andriamagnitsa o, ary vatolampin'ny famonjena anahy."27Iaho koa hametraka anazy ho salamin'ny zanako lahimatoa, zay ambony indrindra amin'ny mpanjakan'ny tany. 28Hagnitatsa ny fagnikena mahatokiko amin'ny mandrakizay Aho; ary ny fagnikeko aminazy de ho voaaro. 29Hampaharitsa ny taranany mandrakizay Aho ary ny seza fiandriagnany haharitsa tahaka ny habakabaka egny ambony egny.30Lehe mahafoy sy tsa mankatò reo lalàko ny zanany, 31lehe mandika ny fitsipiko ko tsa mitandrigna ny teniko reo, 32de hagnafay ny fikomiandreo amin'ny tsorakazo Aho ary ny helony amin'ny tsoka.33Fa tsa hagnalaka ny fitiavako aminazy tsa miova na hivadika amin'ny fampagnatignako Aho. 34Tsa handika ny fagnekeko na hagnova ny tarogna tarogniko Aho.35EFa nianiagna tamin'ny fahamasinakoindraika Aho, tsa handenga amin'i Davida Aho: 36"Reo taranay de hitohy mandrakizay ery ny seza fiandrianany de haharitsa salan'ny masoandro eo alohako. 37Zay de hitoatsa mandrakizay salan'ny volagna, ny vavolombelogna mahatoky egny an-dagnitsa." Sela.38Feny Agnao tsa nety sy nandá; nasiaka tamin'ny mpanjakanao voahosotsa. 39Efa niala tamin'ny fagniken'ny mpanomponao Agnao. Efa nanimbazimba ny satro-boninahiny tamin'ny tany Agnao. 40Efa nagetrakao aby reo rindriny . Efa drinavanao ny fiarovana maheriny.41Ze nandalo d'efa nandroba anazy aby.42 Efa roso fitaovana mahafandriandriagna ny namany i. Nanandratsa ny tagnana ankavagnan'ny fahavalony Agnao; nampifalianao aby reo fahavalony. 43Navadikao ny lelan-tsabany ko tsa nampijoro anazy lehe hiady.44Finaragnanao ny famirapiratany; narorognanao tamin'ny tany ny seza fiandrianany. 45Nafohezinao ny andron'ny fahatanorany. Kinorokorokao hegnatsa i. Sela46Hafiriana, Yaveh o? Hanitrika ny tegnanao mandrakizay ve Agnao? Mandra-pahoviana ro hirehitsa salan'ny afo ny hatizeranao? 47HE, saino ny momban'ny androko fohy, sy ny namorognanao ny zanak'olombelogna aby ho matimaty foagna!48 Ia ro afaka hiaigna ko tsa ho maty, na hagnavotsa ny ainy manokagna egny an-tagnan'ny Fiaignan-tsy hita? Sela49Tompo o, aia reo asan'ny fagnekena mahatokinao taloha ze nianiagnan'i Davida tamin'ny fahamarinanao? 50Tsiaro, Tompo o, ny fagnesoana natao tamin'ny mpanomponao ary ny fomba nizakan'ny foko reo teny ratsy be hatamin'ny firenena.51 Nikoka teny ratsy reo fahavalonao, Yaveh oh; nohesoan-dreo ny dia-tongon'ny vohosotsao.52Ho deraina mandrakizay anie Yaveh. Amen, Amen. Boky faha efatra.Chapter 90Vavak'i Mosesy lehilahin'Andriamagnitsa.
1Tompo o, efa fialofanay sy ny taranakay aby Agnao.2 Talohan'ny niosian'ny tendrombohitsa, ary nahary ny tany sy zao tontolo zao Agnao, hatamizay ko ho mandrakizay, Agnao ro ANdriamagnitsa.3Nampody ho vovon-tany ny ona Agnao, de hoy Agnao hoe: :Mipodiana, agnao ra taranak'olombelogna." 4Fa ny arivo taogna eo imasonao de salamin'ny omaly sy roso, de fotoagna salamin'ny fiambenana amin'ny aligna.5Noferinao tahaka ny riaka reo de nandry( natory); amin'ny maraigna de salamin'ny ahitsa mitsiry reo. 6Sy maraigna de mamogny zay de mitsiry; amin'ny hariva de malazo zay de maigna.7Marina tokoa fa levogna amin'ny fahasiahanao agnay, ery amin'ny fahatizeranao ro maha-reki-tahotsa anay. 8Efa nametraka ny helokay teo alohanao Agnao, reo fahotanay misitrika teo amin'ny fahazavan'ny fagnatrehanao9Ny fiaignanay de dify ao ambany fahatizeranao; ny fiaignanay de mandalo malaky salamin'ny sento. 10Fitopolo, na valopolo taogna agnay lehe salama; feny ny taognanay soa ndrindra aza de voamariky ny fahoriana sy alahelo. Eka, mandalo miridiridy agnay.)11Ia ro mahalala ny hamafin'ny fahasorenanao, sy ny fahasiahanao zey manahaka ny fahatahorana Anao? 12Ko de ampianaro agnay mba hahafahanay miaigna amim-pahindrena. 13Mipodiana, Yaveh o! Sy viana ? mamindrà fo amin'ny mpanomponao.14Meo fahafaham-po amin'ny famindram-ponao agnay amin'ny maraigna mba hiravoravoanay de ho faly amin'ny andronay aby agnay. 15Ampifaleo agnao arakaraky ny andro nampahorianao anay sy ny taogna niaignanay tagnaty fahoriana. 16Apitraho mba hahita ny asano reo mpannomponao, eko ny zanakao hahita ny voninahitsao.17Ze sitraky ny Tompo Andriamagnitsay anie ho aminay; ambino ny asan'ny tagnanay; ambino tokoa roa ny asan'ny tagnanay.Chapter 91
1Zey mitoatsa eo ambany fiaofan'ny Avo Indrindra de hitoatsa eo amin'ny aloky ny Tsitoha. 2Hilaza ny amin'i Yaveh aho hoe: "I ro fialofako sy fiarovako ,Andriamagnitso, zey hitokiako."3Fa I ro hamonjy anao amin'ny fandriky ny mpihaza sy amin'nmy areti-mandoza mahafaty. 4Hanafotsa anao amin'ny elany I , ery ao ambany elany ro hahitanao fialofana. Ny fahatokiany de ho ampinga sy fiarovana.5Tsa hatahotsa ny horohoro ny aligna agnao, leko ny tsipika mitsidigna amin'ny andro, 6leko ny loza mihaodihaody amin'ny migna [maizigna],leko ny aretina avy sy toandro. 7Leko arivo roo ho lavo eo agnilanao eko iray aligna eo amin'ny tagnanao ankavagnana, feny tsa hahatratsa anao zay.8Fa handinika sy hizaha ny sazin'ny ratsy fagnahy fotsiny Agnao. 9Fa Yaveh ro fialofako! Ataovy fialofana hiany koa ny Avo indrindra.10Tsa hisy ratsy hahazok anao; tsa hisy fahoriana handriny ny fonegnanao. 11Fa hitarika ny anjeliny I mba hiaro anao, hiambigna anao aby amin'ze lalanao.12Hanandratsa anao amin'ny tagnany reo mba tsa ho voan'ny vato ny tongotsa. 13Hanorotoro ny liona sy reo menaragna ambany tongotsao; hagnitsaka reo liona tanora sy bibilava agnao.14Satria efa nanolo-tegna ho Anahy i, de hamonjy anazy Aho. Hiaro anazy Aho satria tsa mivadika aminahy i. 15Sy mangaika Anahy i, de ho valeko. Hombako i amin'ny fahoriana; hagnome fandresena anazy Iaho sady hagnome voninahitsa anazy. 16Hagnome fahafaham-po anazy amin'ny fiaignany Aho sady hatoroko anazy ny famonjeko.Chapter 92Salamo, tonon-kira ho an'ny andro Sabata.
1Raha soa ny magnome fisaorana an'i Yaveh sy mihira fiderana ho an'ny agnaranao, ra Avo Indrindra, 2Hitarogna ny famindram-ponao sy maraigna ery fahamarinanao sy aligna, 3amin'ny valiha tory folo sy ny feon-kiran-dokanga.4Fa Agnao, Yaveh o, nampifaly anahy tamin'ny alalan'ny asanao. Hihira fifaliana ho Anao aho noho reo asan'ny tagnanao. 5Endriaho ny halibiazan'ny asanao, Yaveh o! Laligna tokoa ny fisaignanao.6Ts mahafantatsa ny ona sagnagna, leko ny gegy tsa hahatakatsa an'zao: 7Sy mitsiry salamin' ny ahitsa ny ratsy fagnahy, leko de miroborobo aza ny mpanao ratsy , de vona ho rava agny amin'ny fahapotehana mandrakizay.8Fa Agnao, Yaveh o, de hanjaka mandrakizay. 9Eka tokoa, jireo ny fahavalonao, Yaveh o! Eka tokoa, jireo ny fahavalonao. Ho maty reo! eko reo aby ze manao ratsy hiparitaka.10Nagnadratsa ny tandroko salamin'ny tandrok'omby Agnao; Voahosotra tamin'ny menaka vaovao aho. 11Efa nahita fahavalon'nireo fahavaloko ny masoko; efa nahare ny fara-andron'ireo fahavaloko ratsy ny sofiko.12Hitsira takan'ny hazon-drofia ny marina; hitsiry tahaka ny sedera agny Libanona zay. 13Nambolena tan-dragnon'i Yaveh reo; sady mitsiry ao amin'ny kianjan'Andriamagnitsika.14Hamoa ny voan-dreo leko de antitsa aza; sady hiegnina vao sy mentso, 15mba hilazana fa mahintsy Yaveh. I ro vatolampiko, sady tsa misy lenga(tsa fahamarinana) Aminazy ao.Chapter 93
1Manjaka Yaveh; mitafy voninahitsa I; Yaveh de nampiatafy sy nampisikigna ny tegnany tamin'ny hery. Mafy origna zao tontolo zao; tsa afaka afindra zey. 2Mitoatsa hatamin'ny taloha ny seza fiandriagnanao; Agnao de tsa manam-pahataperana.3Niakatsa ny ranomasina , Yaveh o, nanandratsa ny feony reo; mipoapoaka sy mierogna ny onjan-dranomasina.4 Mihoatsa noho ny rano sady be ro mahery, eka, mihiatsa noho onjan-dranomasina lihibodaka, Ny voninahits'i Yaveh agny amin'ny Avo.5Ny teni-vavolombelonao de marina ndrindra; mandravaka ny tragnonao mandrakizay ny fahamasinana, Yaveh o.Chapter 94
1Ry Yaveh, Andriamagnitsa mamaly faty, Andriamagnitsa mamaly faty, mamirapirata aminay. 2Mitsangana, ry mpitsara ny tany , omeo ny mpirehareha ze mendrika andreo.3Hafiriana ny ratsy fagnahy, ry Yaveh, hafiriana ny ratsy fagnahy ro 4hiravoravo? Mandraraka ny avognavony reo;ze manao ny ratsy mieboebo aby.5Tinorotoron-dreo ny ona ,ry Yaveh; ze firenenao de ampahoriandreo.6 Mamono ny mpitondrategna sy na vahiny ze miaigna agny amin'ny firenen-dreo reo, eko mamono ny kamboty ray.7 Hoy reo hoa :"Tsa hahita Yaveh,eko tsa hatsikaritsa an'izey ny Andriamagnits'i Jakoba."8Mahatakàra, agnareo ra ona tsa misaigna! Agnareo gegy, amiviana agnareo vo mba hianatsa? 9I ro nanao ny sofigna, moa ve tsa handre I? I ro nanao ny maso, moa ve tsa mahita I?10I ro mifehy ny firenena, moa ve tsa mahitsy I? I ro magnome fahalalana ny ona.11 Yaveh mahalala ny sain'ona, fa raha foagna reo.12Tretrika ze ampianarinao, ry Yaveh, ze ampianarinao hatamin'ny lalànao.13 Nomenao fitsaharana i tamin'ny fotoam-pahoriana mandra-pihady lavaka ho an'ny ratsy fagnahy.14Fa Yaveh tsa hahafoa ny onany na namela ny lovany. 15Fa ho marina ny fitsarany;eko ny mahitsy fo de hagnaraka anazy aby.16 Ia ro hitsangagna hiaro anahy amireo mpanao ratsy? Ia ro hijoro ho anahy hanohitsa ny ratsy fagnahy?17Lehe tsa Yaveh ro nagnampy anahy, de saika trotraka tagny amin'ny toeran'ny fahanginana iaho. 18Sy nitarogna iaho hoe: " Mangorohoro ny tongoko," de nanohagna anahy, ny famindram-ponao, ry Yaveh. 19Sy be ny ahiahiko, de mampifaly anahy reo fampiononanao.20Afaka miaraka aminao ve ny seza fiandrianan'ny faharavana, ze mamorogna ny tsa rariny amin'ny alalan'ny lalana?21 Niara-nitetikareo mba hifofoanany ain'ny marina eko magnameloka ho faty reo tsa manatsigny.22Fa Yaveh ro efa tilikamboko avo, eko vatolampy fialofako ny Andriamagnitso.23 Hitondra ny helo-dreo eo aminazy I eko handringagna andreo amin'ny faharatsiany manokagna. Hamono andreo Yaveh Andriamagnitsika.Chapter 95
1Avia, ndao atsika hihira ho an'i Yaveh; ndao atsika hihira an-kafalena ho an'ny vatolampin'ny famonjena atsika. 2Ndao hitsofoka amin'ny fagnatrehany amin'ny fisaorana; ndao tsika hihira ho Anazy amin'ny salamo fiderana. 3Fa Yaveh ro Andriamagnitsa lihibe sy Mpanjaka lihibe ambonin'andriamagnitsa hafa.4Eo an-tagnany ny fitoerana laligna amin'ny tany; Anazy ny fitoerana avon'ny tendrombohitsa aby manotolo. 5Anazy ny ranomasina, fa I ro nanao anizay, sady ny tagnany ro nahary ny tany maigna.6Avia, ndao atsika hiondrika sy hihohoka; ndao atsika handohalika eo agnatrehan'i Yaveh, mpahary atsika; 7Fa I ro Andriamagnitsika, sady ona fiandriny atsika sy ondry ambenany atsika. Enganie androany mba hohenoanao ny feony!8Aza magnamafy ny fonao, salamin'ny tagny Meriba, na salamin'ny tamin'ny andron'i Masa tagny agn'efitsa, 9ze nitsapana sy nagnandraman'ireo razambenareo Anahy, leko de hitandreo aza ny asako.10Efapolo taogna ro nasiaka tamin'izay taranaka zay Iaho ko nitarogna hoe: " 'ty de vahoaka managna fo mania; tsa nankato Anahy reo." 11Noho zay de nivoady tamin-kkahasosorana Aho mba tsa hiditsa ao amin'ny toeram-pitsaharako mihintsy reo.Chapter 96
1Mihirà fihiram-baovao ho an'i Yaveh, mihirà ho an'i Yaveh, ry tany aby manotolo. 2Mihirà ho an'i Yaveh, misaora ny Agnarany; tarògno sanandro sanandro ny famonjeny.3Tarògno Amin'reo firenena ny voninahiny, ny asany mahazendagna amin'reo firenena aby manotolo. 4Fa lihihe Yaveh ko tokony ho deraina ndrindra. Tokony atahorana ambonin'ny andriamagni-kafa aby manotolo I.5Fa sampy aby reo andriamagnitsy ny firenena aby, fa Yaveh ro nanao ny lagnitsa.6 Famirapiratana sy voninahitsa ro eo amin'ny fagnatrehany. Hery sy fhasoavana ro ao amin'ny fitoerany masina.7Miderà an'i Yaveh, agnareo vahoaka, miderà an'i Yaveh nohon'ny voninahiny sy ny heriny. 8Omeo ny voninahitsa mendrika ny agnarany Yaveh. Mitondrà fagnatitsa de miavia ao an-kianjany.9Miankohofa eo amin'i Yaveh amin'ny fiakanjoana magnome voninahitsa ny fahamasinany. Mangovita eo agnatrehany, ra tany manotolo o. 10Mitarogna amin'reo firenena hoa:" Manjaka Yaveh." Voaorigna hiany koa zao tontolo zao; tsa ho voahozongozogna zao. Mitsara ara-drariny reo ona I.11Aoka ho faly ny agny an-dagnitsa, sadyb aoka hiravoravo ny tany ; Aoka hierogna ny ranomasina sady hikoka an-kafalena n ze mameno anzay.12 Mifalia ny saha sy ze ao aminazy ao aby. De aoka hikoka ami-kafaleana 13eo agnatrehan'i Yaveh ny hazo agny agnaty ala, fa avy I. Avy mba hitsara izao tontolo zao amin'ny fahamarinana I ary ny ona amin'ny fahatokiany.Chapter 97
1Majaka Yaveh; aoka ny tany hifaly; aoka ny moron-tsiraka be ho ravo. 2Rahogna sy ezigna ro magnodidigna Anazy. Fahamarinana sy rariny ro fiorenan'ny seza fiandrianany.3Afo ro mandalo eo alohany ko de mandevogna reo mpifagnandrigna aminazy amin'ny lafiny aby manotolo. 4Ny tselatsany magnazava an'izao tontolo zao; hitan'ny tany zay ko de mihorohoro. 5Miepo sahalamin'ny savoka eo agnatrehan'in Yaveh, zay Tompon'ny tany manontolo, reo tendrombohitsa.6Mitarogna ny fahamarinany reo habakabaka, sady mahita ny voninahiny ny firenena aby manontolo. 7Ho megnatsa ze manompo ny sarin-draha voasikotsa, ze mirehareha amin'ny sampy tsa misy dikany; miankohofa eo amin'i Yaveh, agnareo ra andriamagnitsa aby manontolo! 8Nandre Ziona ko de faly. Sady nifaly ny tanànan'i Joda noho ny didinao marina, Yaveh o.9Fa agnao, Yaveh o, ro avo indrindra ambonin'ny tany aby manontolo. Asandratsa avo indrindra ambonin'ni andriamagnitsa aby Agnao. 10Agnao ze te an'i Yaveh, mankahala ny ratsy! Miaro ny ain'ny onany masina I, magnalaka anazy tsa ho eo an-tagnan'ny rasty fagnahy.11 Nafafy tamin'ny marina ny fahazavana ary ny fifaliana ho an'ny ze mahintsy fo.12Miteza hifaly ao amin'i Yaveh, agnareo ona marina; sady manolora fisaorana sy mahatsiaro ny fahamasinany agnareo.Chapter 98Salamo.
1Mihirà fihiram-baovao ho an'i Yaveh, fa nanao raha mahazendagna I; nagnome fandresena Anazy ny tagnany ankavagnana sy ny sandriny masina. 2Nampahafantatsa ny famonjeny Yaveh; nagnatoro ampahibemaso ny fahamarinany tamin'ireo firenena aby manotolo reo I.3Tsiaroany ny tsy fivadiham-pagnikeny sy ny fagnikena mahatoky ho an'ny taranak'Israely I; hahita ny fandresen'Andriamagnitsika ny vazan-tany manotolo.4 Mihobia ho an'i Yaveh, ra tany manotolo; vilomy ny hoby; mihirà amim-kafaleana, ko mihirà fiderana.5Mihirà fiderana ho an'i Yaveh amin'ny harpa, amin'ny valiha sy hira mahafinaritsa. 6Amin'ny trompetra sy ny feon'ny anjomara, manaova hiakam-pifaliana eo agnatrehan'ny Mpanjaka, de i Yaveh.7Aoka hikoka ny ranomasina sy ze ao aminazy ao; zao tontolo zao sy ny monigna ao! 8Aoka reo renirano hiteha-tagnana, ary aoka reo tendrombohitsa hikoka fifaliana. 9Avy hitsara ny tany Yaveh; hitsara zao tontolo zao amin'ny fahamarinana I ary ny firenena amin'ny hitsiny.Chapter 99
1Manajaka Yaveh; mangovita ra firenena. Mitoatsa eo amin'ny seza fiandrianana eo amin'ny kerobima I; mihorohoro ny tany.2 Lihibe ao Ziona i Yaveh; asandratsa ambonin'ny firenena aby manotolo I.3 Aoka hidera ny agnaranao lihibe sy mampahatahotsa reo; Masina I.4Mahery ny mpanjaka, sady te ny rariny I. Efa nampitoatsa ny rariny Agnao; efa nanao fahamarinana sy fahitsiana tamin'i Jakoba Agnao. 5Derao Yaveh Andriamagnitsika sady tompò eo amin'ny fitoeran-tongony I. Masina I.6Isan'ny mpisorony i Mosesy sy Arona, ary Samoela de isan'ny ny nivavaka taminazy. Nivavaka tamin'i Yaveh reo, ko de namaly andreo I. 7Nitarogna tamindreo tamin'ny alalan'ny andry rahogna I. Nitagna ny didiny masina reo sady ny lalána de efa nomeny ho andreo.8Namaly andreo Agnao, Yaveh Andriamagnitsay. Andriamagnitsa mpamela heloka Agnao tamin-dreo, feny nagnasazy tamin'ny fahotany. 9Miderà an'i Yaveh Andriamagnitsika, ko de manompoa Anazy ao amin'ny tendrombohiny masina, fa Yaveh Andriamagnitsika de Masina.