To view a copy of the CC BY-SA 4.0 license visit
http://creativecommons.org/licenses/by-sa/4.0/
Matthew
Chapter 1
1Ny Bokin'gny razan'i Jesosy Kristy zanak'i Davida zanak'i Abrahama. 2Abrahama no iadan'Isaka, ary Isaka no iadan'i Jakoba, aveo Jakoba no iadan'i Joda ndraiky reo rahalahigny. 3Joda no iadan'i Fareza ndraiky Zara tamin'i Tamara, Fareza no iadan'i Herzona, ary Herzona no iadan'i Rama.4Rama no iadan'i Aminadaba, ary Aminadaba no iadan'i Nasona, avakeo Nasona no iadan'i Salmona. Salmona no iadan'i Boaza tamin'ny 5Rahaba, Boaza no iadan'i Obeda tamin'i Rota, Obeda no iadan'i Jese. 6Ary Jese no iadan'i Davida mpanjaka, Davida no iadan'i Solomona tamin'ny alalan'ny vadin'i Oria.7Solomona no iadan'i Rehoboama, Rehoboama no iadan'i Abia, aveo Abia no iadan'i Asa. 8Asa no iadan'i Jaosafata, ary Jaosafata no iadan'i Jorama, ary Jorama no razan'i Ozia.12Tafaran'ny fandroahagna ho akagny Babylona, dia Jekonia no iadan'i Sealtiela, ary Sealtiela no razan'i Zerobabela. 13Zerobabela no iadan'i Abihoda, Abihoda no iadan'i Eliakima, aveo Eliakima no iadan'i Azora. 14Azora no iadan'i Zadoka, Zadoka no iadan'i Akima, avakeo Akima no iadan'i Elihoda.15Elihoda no iadan'i Eliazara, Eliazara no iadan'i Matana, avakeo Matana no iadan'i Jakoba. 16Jakoba no iadan'i Josefa zay vadin'i Maria, lehy nitairaka Jesôsy, zay antsôvigny Kristy.17 Ny taminga jiaby manomboka amin'i Abrahama zisiky amin'i Davida dia taminga aifatra amibin'ny fôlo, manomboka amin'i Davida zisiky amin'ny fandroahagna ho akagny Babylona dia aifatra ambin'ny fôlo, ary manomboka amin'ny fandroahagna ho akagny Babylona zisiky amin'i kristy dia taminga aifatra ambin'ny fôlo.18Karaha zao no nitrangan'ny fahaterahan'i Jesôsy Kristy. Nininy, Maria, afa nataokagna hanambady Josefa, fao talaohany niarahan-jareo, hita fao bibôko izy avy tamin'ny Fagnahy Masigny. 19Josefa vadiny, lalahy marigny, salakady tsy te-hangala baraka azy ampahibemaso. Kay nanapa-kevitry izy ny hagnambaila mangingigny ny fagnikiagna taminazy.22Zany jiaby zany niboaka mbô hahatô zay nivolagnin'ny Tompo tamin'ny alalan'i lehy mpagnazary, magnanjao: 23"Tô, ny virijiny ho bibôko kay hitairaka zaza lalahy, aveo zareo hagnantso agnarany ho Imanoela"_ Zay midika: "Amintsika Zagnahary."24Nonjogno tamin'ny tôromasony Josefa avakeo nitsabo taokagna zay nagnirahan'ny anjelin'ny Tompo azy aveo nagala azy ho vadiny.25Fao tsy niray taminazy izy mandrapitairaka zaza lalahy. Ary nantsôvigny Jesôsy agnarany.
Chapter 2
1Tafaran'ny nahatirahan'i Jesôsy tao Betleheman'i Jodia tamin'ny andron'i Heroda mpanjaka, tonga tao Jerosalema reo lalahy manam-pahaizagna avy akagny antignianagna nivaolagna:2 "Aiza Izy zay tairaka ho Mpanjakan'i Jiosy? Nahita lakintagna avy agny antignianagna zahay aveo havy mbô hidaira Azy."3 Koafa naharegny zany Heroda mpanjaka, nangôrohôro izy, ndraiky Jerosalema jiaby niaraka taminazy.7Avakeo nagnantso mangingigny reo lalahy manam-pahaizagna i Heroda mbô hagnontany zareo mazava tsara ny fotoagna niboahan'lehy lakintagna. 8Nalaifany tagny Betlehema zareo, magnanjao: "Mandihiana aveo agnintania tsara ny amin'lehy zaza. Koafa hitanareo Izy, dia ambara zaho, mbô afahako mandaiha agny koa kay hidaira Azy."9Tafaran'ny narignaisan-jareo ny mpanjaka, dia nandaiha tamin'ny làlany zareo, avakeo ny lakintagna zay hitan-jareo tagny antignianagna no nandaiha alaohaka zareo mandra-pijanonany teo agnambonin'ny toairagna nisy lehy zaza.10 Koafa nahita lakintagna zareo, dia niravo tamin-karavoagna gaida.11Nitsôfotro tao amin'lehy tragno zareo aveo nahita ny zaza niaraka tamin'i Maria nininy. Niankaohaka ndraiky nidaira Azy zareo. Nanaokatra ny fipitrahan-kariagna zareo nanôlotro fagnomaizagna volamena, ditin-kakazo mangitry, avakeo miora Aminazy. 12 Nampitandrigny zareo tamin'ny nôfy Zagnahary mbô tsy himpôdy agny amin'i Heroda, kay làlagna hafa no nandihianan-jareo namonjy ny firenenany avy.16Avakeo Heroda, koafa nahita fao voafitaka reo lalahy manampahaizagna, dia vingitry mafy. Nagniraka ndraiky nampamono ny zaza lalahy jiaby aroa tagno mijôtso zay tao Bethlehema ndraiky tao amin'ny faritry jiaby igny izy, araka ny fotoagna zay nagnadihadiany mazava tamin'ny reo lalahy manam-pahaizagna.17Aveo dia tanteraka ny vaolagna zay nambara tamin'ny alalan'i Jeremia mpagnazary magnanjao: 18"Nisy feo regny tao Rama, fitomagniagna ndraiky fisaonagna gaida, mitomoagny nohon'ny amin'ny zanany i Rahely, ary tsy nangeky ny hampanginigny izy, satria afa maty zareo."Chapter 3
1Tamin'izany andro zany dia nandaiha nitôry tagny antanimatin'ny Jodia Jaona mapagnano Batisa magnanjao: 2"Mibaibaha, fao afa marikitry ny fanjakan'ny langitry." 3Fao izy no lehy nivolagnin'Isaia mpagnazary, magnanjao: "Misy feo araiky magnantso mafy akagny antanimaty magnanjao: 'Tsaboy ny lalan'ny Tompo, ahitsio ny làlagna nazy."'7Fao kofa nahita reo Fariseo ndraiky Sadoseo maro nagnatogno azy mbô ho tsabogny batisa izy, dia hoizy izy tamin-jareo: "Oa tamingan'ny biby lava feno poizigny, zôvy nampitandrigny areo hilaifa fahatizairagna zay hoavy? 8Mamoaza voa magnaiva ny fibaibahagna 9Aveo aza mieritreritry ny hivaolagna am-pô magnanjao: 'Managna Abrahama ho iadanay zahay.' Fa amabarako areo fao Zagnahary dia mahavita manangagna zanaka ho an'i Abrahama na dia avy amin'ireto vato reto aby.
Chapter 4
1Avakeo Jesôsy nitarihin'ny Fagnahy handaiha akagny antanimaty mbô halain'ny devoly fagnahy. 2Koafa avy nifady hanigny aifapôlo andro ndraiky aifapôlo haligny Izy dia tihinagna. 3Nagnatogno ny mpangala fagnahy kay nivaolagna taminazy nagnanjao: "Raha Zanaka Zagnahary Anao, volagno biaka hanjary môfo reto vato reto." 4Fao Jesôsy namaly kay nagnanjao taminazy: "Voasaoratra magnanjao: 'Tsy ny môfo faogna no hivilaoman'ôlogno fao zay vaolagna jiaby koragnin'ny vavan-Jagnahary."5Avakeo ny devoly ninday Azy tagny amin'ny tanàgna masigny kay nampidôko azy teo amin'ny faran'ny agnambon'ny tempoly, 6aveo nivaolagna Taminazy nagnanjao: "Koa Zanaka Zagnahary Anao, mitandatsaha akagny ambany akagny, fao voasaoratra magnanjao: 'Izy hibeko reo anjeliny hiaro Anao' avakeo 'hanandratra Anao amin'ny tagnany zareo, kay tsy ho tafintôhigny amin'ny vato ny hongotroa."'7Jesôsy nivaolagna taminazy nagnanjao: "Mbôla voasaoratra faogna: 'Tsy tôkony hitsapa ny Tompo Zagnaharinao anao." 8Nindesin'ny devoly handaiha amin'ny toeragna taigna ambo Izy avakeo nagnaboaka Azy ny fanjakagna jiaby magnairan-tany ndraiky ny hatsaragnan-jareo. 9Nivaolagna izy Taminazy: "Reo jiaby reo hamiako Anao, koa miankaohaka aketo agnatraihako aveo midaira zaho Anao."10Avakeo Jesôsy nivaolagna taminazy: "Mialà aketo anao, ry Satana! Fao afa voasaoratra: 'Anao hidaira ny Tompo Zagnaharinao, aveo izy araiky faogna no tompoinao.'" 11Avakeo niala Azy ny devoly, ary tô, nisy anjely avy kay nanompo Azy.12Ary koafa regnin'i Jesôsy fao voasambotro Jaona, dia nimpôdy nandaiha Galilia Izy. 13Niala Nazareta Izy kay nadaiha avakeo nitoby tao Kapernomy, zay akeo amôron-dranomasin'ny Galilia, ao amin'ny zaratanin'i Zebolana ndraiky Naftaly.14Zany no nitranga mbô hahatantairaka zay nikoragnin'Isaia mpagnazary magnanjao: 15''Ny tanagnan'i Zebolana ndraiky ny tanagnan'i Naftaly, magnagny amin'ny ranomasigny, akagny ampitan'i Jordana, Galilian'reo Jentilisa! 16Reo ôlogno nibidôko tamin'ny mahizigny dia nahita fahazavagna gaida, aveo reo zay nibidôko tamin'ny faritry ndraiky ny aloky ny fahafataisagna, dia taminjareo no niposahan'ny fahazavagna.''17Ary tamin'ny zany fotoagna zany Jesôsy dia nanomboka nitory vaolagna ndraiky nivaolagna nagnanjao: "Mibaibaha, fao afa marikitry ny fanjakan'ny langitry."18Koafa nandaiha tegny amin'ny sisin'ny ranomasin'i Galilia Izy, dia nahita mpirahalahy aroa, Simona zay antsôvigny hoe Petera, avakeo Andrea rahalahiny, nanopy ny haratony tegny amin'ny ranomasigny, fao mpagnarato zareo. 19Nivaolagna Jesôsy tamin-jareo: "Alôhy, hagnaraka Zaho, fao hatako mpagnarato ôlogno areo." 20Samby teo faogna dia niala reo harato zareo kay nagnaraka Azy.
Chapter 5
1Koafa nahita reo vahoaka Jesôsy, nakatra tan-tampon-tanety. Koafa nantotry Izy, dia nagnatogno Azy reo mpianany. 2Nanaokatra vavany Izy aveo nampianatra zareo, magnanjao: 3"Sambatra ny mijaly am-pagnahy, fao nihinjareo ny fanjakan'ny langitry. 4Sambatra reo misaona, fa hampiononigny zareo.11Sambatra areo raha magniratsira areo salakady magnenjiky areo ny ôlogno, avakeo mivaolagna karazagna vandy ratsy jiaby hanohitry areo nohon'ny Aminaha. 12Mifalià sady miravoravoa, fao gaida ny valisoanareo akagny an-dangitry. Fao karaha zany ny fomba nagninjaihan'ny ôlogno reo mpagnazary zay niaigny talaohanareo.13Areo no siran'ny tany. Fao koa sira manjary matsatso, amin'ny fomba akôry no hankamasigny zany indraiky? Tsy ho tsara na amin'ino na amin'ino eky zany fao hariagna salakady ho diavin'ny hongotr'ôlogno. 14Areo no fahazavan'ny izao tontolo izao. Ny tanàgna mijodigny eo amin'ny dôngogno dia tsy azo havôny eky.17Aza mieritreritry hoe avy handrava lalàgna na reo mpagnazary Zaho. Tsy avy hamotiky reo Zaho, fao hagnatantairaka zareo. 18Fa volagniky marigny aminareo fao mandra-pahalevon'ny langitry ndraiky tany, dia tsy ho foagna amin'ny lalàgna na dia litera araiky aveo tendrin-tsaoratra araiky aby, mandra-pahatantairaka raha jiaby.19Noho zany na zôvy na zôvy mandika na dia ny taigna hely amin'ny reo didy reo salakady mampianatra ny hafa anao tôrotro zany dia ho antsôvigny hoe taigna hely ao amin'ny fanjakan'ny langitry. Fao na zôvy na zôvy mankatô salakady mampianatra reo dia ho antsôvigny hoe gaida ao amin'ny fanjakan'ny langitry. 20Fa volagniky aminareo fao raha tsy mihoatra nohon'ny mpanaotra lalàgna ndraiky fariseo ny fahamarignanareo, dia tsy hiditry ao amin'ny fanjakan'ny langitry velively areo.21Afa regninareo fao voavalagna tamin-jareo fahigny magnanjao: 'Aza mamono ôlogno,' aveo 'Na zôvy na zôvy mamono ôlogno dia ho helohigny agny amin'ny fitsaragna.' 22Fa volagniky aminareo fao zay jiaby vingitry amin'ny rahalahiny dia magnaiva ho helohigny agny amin'ny fitsaragna; avakeo na zôvy na zôvy mivaolagna rahalahiny magnanjao: 'Anao ôlom-poagna!' dia ho helohigny agny amin'ny filan-kevitry; ary na zôvy na zôvy mivaolagna: 'Laifaka anao!' dia magnaiva ho agny amin'ny matsabôry mirehitry môtro.23Noho zany raha manôlotro fagnatitry eo amin'ny alitara anao kay tsaroanao teo fao managna alahelo aminao ny rahalahinao, 24dia ambilao eo agnoloan'ny alitara ny fagnatitria, kay mandihiana araho ny làlagnào. Mihavàgna alaoha amin'ny rahalahinao, avakeo mimpodiana dia atolôry ny fagnatitria.27Afa regninareo fao voavaolagna: 'Aza mijangajanga.' 28Kanaifa volagniky aminareo fao zay jiaby mizaha vaiavy kay magniry azy dia afa nijangajanga tao am-pôny edy.29Raha magnafintôhigny anao ny masonao ankahery, dia alào zany aveo alifaso lavitry anao. Fao taigna tsara aminao raha ny ilany araiky amin'ny haigninao no tôkony ho aratigny fao tsy ny haigninao jiaby no atopy akagny amin'ny helo. 30Raha magnafintôhigny anao ny tagnagnao ankahery, dia tapaho avakeo alifaso lavitry hiala aminao. Fao taigna tsara aminao raha ny hilany araiky amin'ny haigninao no tôkony ho very fao tsy haigninao jiaby no atopy agny amin'ny helo.31Avakeo afa voavaolagna faogna koa: 'Na zôvy na zôvy misaraka amin'ny vadiny, dia aoka izy hagnamia azy taratasy fisaraham-panambadiagna.' 32Fao Zaho koa mivaolagna aminareo fao zay jiaby misaraka amin'ny vadiny, koa tsy nohon'ny fijangajangagna, dia mampijangajanga azy. Na zôvy na zôvy manambady azy afaran'ny fisarahany dia mijangajanga.38Regninareo fao voavaolagna: 'Maso solon'ny maso, avakeo nify solon'ny nify.' 39Fao Zaho koa mivaolagna aminareo, aza manohitry zay ratsy. Fao, na zôvy na zôvy mamely takaolakào ankahery dia atolôry azy koa ny ilany.43Afa regninareo fao voavaolagna: 'Tsy maintsy mankatia ny mpiara-belogno aminao anao avakeo malaigny fahavalonao.' 44Fao volagniky aminareo, tiavo ny fahavalonareo aveo mivavaha ho an'ny zay magnenjiky areo, [Fagnamarihagna: Ny fomba fivolagnagna talaoha bahery tsara dia manoatra ny: ""Misaora reo zay magnôzogno areo, magnanaova tsara amin'ny reo zay malaigny areo.""] 45biaka ho tonga zanaky ny Iadanareo zay akagny an-dangitry areo. Fao Izy dia mampazava masaovany amin'ny ratsy ndraiky tsara, aveo mandatsaka mahalegny amin'ny marigny ndraiky ny tsy marigny.46Fao raha reo zay tia areo faogna ankatiavinareo, ino no valisoa azonareo? Moa na dia ny mpamôry haitra aby tsy mbô magnano karaha zany koa?47Raha ny rahalahinareo zeraiky faogna no arahabainareo, ino no mbô tsabonareo mihoatra ny hafa? Moa na dia ny Jentilisa aby tsy mbô mitsabo tôrotro zany koa?48 Noho zany dia tsy maintsy tantairaka areo, karaha ny fahatantirahan'ny Iadanareo zay akagny an-dangitry.
Chapter 6
1Mitandraima mbô tsy hitsabo ny asan'ny fahamarignanareo eo agnatraihan'ny ôlogno areo biaka ho hitan-jareo, fao raha tsy zany dia tsy hahazo ny valisoa avy amin'ny Iadanareo zay akagny an-dangitry. 2Noho zany koafa magnano fihantragna areo, dia aza mitsotro trompetra mitariky ny hafa tôrotro ny tsabon'ny mpiatsara velatsihy agny amin'ny synagoga ndraiky egny amin'ny làlagna, biaka hahazo ny fidairan'ny ôlogno zareo. Volagniky marigny aminareo, fao zareo dia afa nahazo ny valisoany.5Koafa mivavaka areo, aza mitsabo karaha ny mpiatsaravelatsihy, fao zareo tia mitsangagna sady mivavaka eo amin'ny synagoga ndraiky amôron-dalagna, biaka ho hitan'ny ôlogno. Volagniky marigny aminareo, fao zareo dia afa nahazo ny valisoany. 6Fao areo, koafa mivavaka, mitsofaora ao amin'ny efi-tragnonareo. Hidio ny varavaragna, dia mivavaha amin'ny Iadanareo zay ao amin'ny mangingigny. Avakeo ny Iadanareo zay mahita ao amin'ny mangingigny no hamaly tsara areo. 7Koafa mivavaka areo, aza mivaolagna maro tsisy ilàgna azy karaha ny tsabon'ny Jentilisa, ny amin'ny fihevairagna fao ho regny zareo nohon'ny vaolagna maro zay tsabony.8Noho zany, aza mitsabo tôrotro zareo, fao Iadanareo dia afa mahay reo raha zay ilainareo alaohan'ny angatahanareo Aminazy. 9Noho zany mivavaha karaha zao: 'Iadanay akagny an-dangitry, hoamasignigny ny agnaragnao. 10Ho tonga ny fanjakanao. Hitsabogny ny sitrapônao aketo an-tany tôrotro ny akagny an-dangitry.11Amaizo zahay niany ny hanigny hampy zahay. 12Avotsôro ny helokoay, karaha ny namotsaoranay zay meloko taminay. 13Aveo aza minday zahay amin'ny fakam-pagnahy, fao afaho zahay amin'ny ratsy."[Fagnamarihagna: Ny fomba fivolagnagna talaoha bahery tsara dia mangala: "Fa Anao ny fanjakagna ndraiky angôvo avakeo ny vonginahitry bariky dintany. Amena."]14Fao raha mamôtsotro ny hadisoan'ôlogno areo, dia hamôtsotro areo faogna koa ny Iadanareo zay akagny an-dangitry.15 Fao koa tsy mamôtsotro ny hadisoan-jareo areo, dia tsy hamôtsotro ny hadisoagnanareo velively ny Iadanareo.19Aza mikajy hariagnanareo aketo an-tany, zay aratin'ny kalalao salakady horifesigny, avakeo hidiran'ny reo mpangalatra an-keriny kay hangalatra. 20Fao ndraiky, akajio ny hariagnanareo akagny an-dangitry, zay tsy ho aratin'ny kalalao salakady tsy horifesigny, aveo tsy hidiran'ny reo mpangalatra an-keriny kay hangalatra.21 Fao zay misy ny hariagnanao, no idaohan'ny fônao faogna koa.22Ny maso no jiron'ny vatagna. Noho zany, raha tsara masonao, dia ho feno fahazavagna ny haigny jiaby.23 Fao koa ratsy ny masonao, dia ho feno hizigny ny haigninao jiaby. Noho zany, raha mahizigny ny fahazavagna zay agnatinao amin'ny zao, magnankôry ny hagidasan'ny zany hizigny zany! 24Tsisy afaka hanompo tompo aroa, fao halaigny ny araiky izy avakeo hankatia ny araiky, koa tsy zany hanolo-taigna ho an'ny araiky ka halaigny ny araiky hafa. Anao dia tsy afaka hanompo Zagnahary ndraiky hariagna.32Fao reo Jentilisa mitady reo raha reo, avakeo ny Iadanareo zay akagny an-dangitry dia mahay fao mila reo areo.33 Fao tadiavo alaoha ny fanjakany ndraiky fahamarignany dia hamiany areo reo raha reo. 34Noho zany, aza miahiahy ny amaraigny, fao ny amaraigny hagnahy ny azy. Ampy ho an'ny andro tsiaraikiraiky ny ratsy ao aminazy.Chapter 7
1Aza mitsara, dia tsy ho tsaraigny areo. 2Fao amin'ny fitsaragna atanareo, no hitsaragna areo, avakeo amin'ny aohatra agnohoaranareo, no hagnohoaragna areo.3Nagnino anao mizaha singam-milôlo hely zay agnaty mason'ny rahalahinao, kanaifa tsy hitanao ny andry agnaty masonao?4 Akôry no hivolagnanao rahalahinao hoe: 'Ambilao zaho hangala ny singa-milôlo zay ao agnaty masonao,' koa mbôla ao agnaty masonao lehy andry?5Ry mpiatsaravelatsihy? Alào alaoha ny andry zay ao agnaty masonao, avakeo anao hahita tsara koafa mangala ny singa-molôlo zay eo amin'ny mason'ny rahalahinao.7Mangataha, dia amiagna areo. Mitadiava, dia hahita areo. Konkogno, fao hisaokatra aminareo zany. 8Fao zay jiaby mangataka, dia mahazo; reo jiaby zay mitady, dia mahita; avakeo ho an'ny ôlogno magnonkógno, dia hisokoafigny. 9Sa zôvy aminareo, koa angatahan'ny zanany môfo, no hagnamia vato azy? 10Na koa nangatahiny lako, kay hagnamia bibilava azy?11Noho zany, raha areo zay ratsy aby mahay magnamia reo fagnomaizagna zay tsara amin-janakareo, moa tsy gaida mihoatra ny raha tsara amian'ny Iadanareo zay akagny an-dangitry amin'ny reo zay mangataka Aminazy? 12Noho zany, na ino na ino raha tianareo ho tsabon'ôlogno amin'ny haigninareo, dia tôkony hitsabo tôrotro zany amin-jareo faogna koa areo, fao zany no làlagna ndraiky reo mpagnazary.13Mitsofaora amin'ny varavaragna mahety. Fao goalahy ny varavaragna aveo malalaka ny làlagna mitondra akagny amin'ny fahaviraizagna, avakeo maro reo ôlogno zay mandaiha amin'ny zany.14 Fao mahety ny varavaragna avakeo sarotro ny làlagna zay mitariky mandaiha amin'ny fiainagna, aveo vitsy reo zay mahita zany.15Mitandraima amin-jareo mpagnazary sandoko, zay magnatogno areo amin'ny fitafiagnan'ondry kanaifa amboadia taigna mpangôrogno.16 Amin'ny alalan'ny voany no hahaizanareo zareo. Misangotro voaloboko amin'ny fatsiky moa ny ôlogno, na koa aviavy amin'ny egny raokadraokaka? 17Mitôvy amin'ny zany, ny kakazo tsara jiaby dia mamoa voa tsara, fao ny kakazo ratsy dia mamoa voa ratsy.18Ny kakazo tsara tsy afaka hamoa voa ratsy, na koa kakazo ratsy tsy afaka mamoa voa tsara. 19Ny kakazo jiaby zay tsy mamoa voa tsara dia kapaigny avakeo hatopy akagny agnaty môtro. 20Kay noho zany, ho hainareo zareo amin'ny alalan'ny voany.Chapter 8
1Koafa nijôtso avy egny an-tanety Jesôsy, dia vahoaka maro no nagnaraka Azy. 2Tô, nisy boka araiky nagnatogno Azy avakeo nivaolagna t'agnatraihany, nagnanjao: "Tompo, koa sitrakào, dia afaka magnadío zaho Anao. 3"Nagnainjagna tagnany Jesôsy aveo nikasiky azy, nagnanjao: "Sitrako. Mahadiova anao." Samby te dia nadio tamin'ny fahabokagnany izy.14Koafa niditry t'an-tragnon'i Petera Jesôsy, dia nahita rafaozam-bavin'i Petera nandry nararan'ny tazo Izy. 15Nikasihan'i Jesôsy ny tagnany, avakeo niala taminazy ny tazo. Dia nitsangagna izy aveo nanomboka nagnamia hanigny Azy.16Koafa tonga ny haligny, dia maro reo nifihezin'ny masantôko nindesin'ôlogno tamin'i Jesôsy. Nandroaka reo fagnahy tamin'ny vaolagna Izy aveo nampahivagna reo jiaby zay narary. 17Karaha zany no nahatantairaka zay nambara tamin'Isaia mpagnazary, nagnajao: "Izy haigniny nangala ny faharatsiantsika ndraiky nitondra reo aretintsika."23Koafa niditry t'agnaty lakagna araiky Jesôsy, dia nagnaraka Azy t'agnatiny reo mpianany. 24Tô, nisy valolan-drivotro mafy niboaka t'amin'ny ranomasigny, kay feno rano ny lakagna. Fao tafandry Jesôsy. 25Nandaiha Aminazy reo mpianatra aveo nagnonjogno Azy, nagnanjao: "Vonjeo atsika, Tompo; hifoaty atsika!"26Nivaolagna Jesôsy tamin-jareo: "Nagnino areo ambory, ry hely finoagna?" Dia nitsangagna Izy avy te aveo nivaolagna mafy rivotro ndraiky ranomasigny. Dia nijanogno avy te. 27Gaga reo lalahy aveo nivaolagna: "Fao karazagna lalahy ino tô, fao na dia ny rivotro ndraiky ranomasigny aby magneky Azy?"28Koafa homby t'andafirô ndraiky t'amin'ny tanàgnan'ny Gadarenesa Jesôsy, dia nisy lalahy aroa zay hazon'ny masantôko fanôjy Taminazy. Zareo dia niboaka avy agny amin'ny reo fasagna avakeo taigna nahery saitra, noho zany dia tsisy mpandaiha afaka nandalo zany làlagna zany.29 Tô, nangaiky mafy zareo avakeo nagnanjao: "Moa mpifagnino zahay ndraiky Anao, ry Zanaka Zagnahary? Avy aketo moa Anao hampihorohoro zahay alaohan'ny fotoagna voataokagna?"30Aveo nisy andian-kisoa maro nihinagna teo, tsy dia lavitry zareo. 31Mbôla nangavigny Jesôsy faogna reo masantôko avakeo nagnanjao: "Raha mandroaka zahay Anao, dia alifaso agnatin'ny reo andian-kisoa reo zahay." 32Nivaolagna tamin-jareo Jesôsy: "Mandihiana!" Dia niboaka reo masantôko kay niditry amin'ny reo kisoa; ary tô, reo andiany jiaby nihôntsigny nijôtso tanety nandaiha an-dranomasigny aveo maty t'agnaty rano zareo.33Reo zay nikarakara reo kisoa dia nihazakazaka aveo nagnagny an-tanàgna zareo avakeo nitantara raha jiaby, aveo zay niboaka tamin'ny reo lalahy zay hazon'ireo masantôko.34 Tô, niboaka reo tao an-tanàgna jiaby mbô hiaro amin'i Jesôsy. Koafa hitan-jareo Izy, dia nangataka Azy mbô hiala ny faritry n-jareo.Chapter 9
7Aveo nitsangagna lehy lalahy avakeo nandaiha an-tragnony. 8Koafa nahita zany ny vahoaka, dia gaga zareo aveo nidaira Zagnahary, zay nagnamia fahefagna karaha zany ho an'ny ôlogno. 9Ary raha niala avy te Jesôsy, dia nahita lalahy nantsôvigny hoe Matio Izy, zay nibidôko t'amin'ny tragno famoriagna hetra. Nivaolagna Izy taminazy: "Magnaraha Zaho." Nitsagagna izy aveo nagnaraka Azy.10Aveo raha nidôko hihinagna t'an-tragno Jesôsy, tô, mpamôry hetra ndraiky ôlogno mpanota maro havy avakeo niara-nihinagna tamin'i Jesôsy ndraiky reo mpianany. 11Koafa nahita zany reo fariseo, dia nivaolagna tamin'ny reo mpianany zareo nagnanjao: "Nagnino ny mpampianatr'areo miaraka haomagna amin'ny mpamôry hetra ndraiky ôlogno mpanota?"14Aveo nagnatogno Azy reo mpianatr'i Jaona kay nivaolagna nagnanjao: "Nagnino zahay ndraiky reo fariseo mifady hanigny mazàgna, fao reo mpianatrao ndraiky tsy mbô mifady?" 15Hoizy Jesôsy tamin-jareo hoe: "Mety alahelo moa reo havan'ny mpampakatra, raha mbôla miaraka amin-jareo ny mpampakatra? Fao ho avy ny andro hangalagna ny mpampakatra amin-jareo, dia amin'ny zay zareo vao hifady hanigny.20Tô, nisy vaiavy zay afa nandaiha lio nandritran'ny aroa ambin'ny fôlo tagno, nandaiha afaran'i Jesôsy aveo nikasiky ny ravin'ny ankajony. 21Fao hoizy tamin'ny haigniny: "Raha mahakasiky lambany faogna zaho, dia ho mahivagna."22 Fao nitodiky Jesôsy kay nahita azy, dia nivaolagna: "Ry zanako vaiavy, mahiraiza; ny finoagnanao no nampahivagna anao." Ary nahivagna lehy vaiavy nanomboko tamin'io fotoagna io.25Koafa naboaka tagny ambailany ny vahoaka, dia niditry t'agn'efitragno Izy avakeo nangala azy tamin'ny tagnagna, aveo nitsangagna lehy zaza vaiavy.26 Niparitaka nagnairagna faritry jiaby ny vava mahakasiky zany.27Avakeo koa niala teo Jesôsy, dia nisy gila aroa lahy nagnaraka Azy. Tsy nijanogno nagnantso zareo salakady nivaolagna: "Mamindrà fô aminay, ry zanaka Davida!" 28Koafa homby t'antragno Jesôsy, dia nagnatogno Azy reo lalahy gila. Hoizy Jesôsy tamin-jareo: "Mino moa areo fao mahay magnano zany Zaho?" Dia hoizy zareo taminazy hoe: "Ia, Tômpo."32Aveo raha lôsogno zare rolahy, dia tô, nisy lalahy möa nibidaohan'ny masantôko nindesigny tamin'i Jesôsy. 33Aveo koafa naboaka lehy masantôko, dia nivaolagna lehy lalahy möa. Gaga ny vahoaka kay nivaolagna: "Tsy mbôla fohita hatrizay tamin'i Israely zao!" 34Fao hoizy fariseo: "Tamin'ny fanapahan'ny reo masantôko, no nandroahany reo masantôko."Chapter 10
2Aveo reto aby ny agnaragna reo apostoly aroa ambiny fôlo. Voalohany, Simona (zay antsôvigny hoe Petera), Avakeo Andrea rahalahiny; Jakoba zanaka lalahin'i Zebede, ndraiky Jaona rahalahiny; 3Filipo, ndraiky Barteleomy; Tomasy, ndraiky Matio lehy mpamôry haitra; Jakoba zanakalahin'i Alfeosy, avakeo Tadeosy; 4Simona lehy Zelota, aveo Jodasy Iskariota, lehy hamadiky Azy.5Nirahin'i Jesôsy izy aroa ambiny fôlo. Nanoro zareo Izy aveo nivaolagna: "Aza mandaiha agny amin'ny toeragna zay hipitrahan'ny Jentilisa areo, aveo aza miditry amin'ny renivôhitr'ireo Samaritana. 6Fao mandihiana ndraiky agny amin'ny reo ondry very aminy'ny tamingan'Israely; 7Kay koafa mandaiha areo, dia mitoria avakeo volagno: 'Afa marikitry ny fahavian'ny Fanjakan'ny langitry.'8Ampahivagno ny marary, atsangano ny maty, diovy reo boka, avakeo roaho reo masantôko. Araka ny nazahoanareo maimaimpoagna, dia magnamaiza faogna koa maimaimpogna.9 Aza mitodra vaolamaina, vaolafôtsy, na varahigny ao amin'ny kitapom-baolanareo. 10Aza mitondra kitapom-batsy amin'ny zay handihananareo, na fitafy hafa, na kiraro, na tongôzo, fao ny mpiasa dia magaiva hahazo ny haniny.11Na ino na ino tanàm-be na tanàgna hely hidiranareo, zahavo zay magnaiva ao, aveo mibidaoha ao mandra-pialareo. 12Raha vao miditry akao amin'lehy tragno areo, dia magnamaiza finaritry, ny akao. Raha magnaiva lehy tragno, dia aoka ny fiadananareo ho tonga akao. 13Fao raha tsy magnaiva ndraiky zany, dia aoka ny fiadananareo himpôdy aminareo.14Ho an'ireo zay tsy mandray areo na tsy mitandregny ny koragnanareo, dia ahintsagno ny jôfo amin'ny hongotroareo, koafa miala amin'ny zany tragno na tanàgna gaida zany areo. 15Volagniky marigny aminareo, fao ho taigna moramora ny tagny Sodoma ndraiky Gomora amin'ny andro fitsaragna noho zany tanam-be zany.16Tô, hagnandaifa areo karaha ny ondry eo agnivon'ny amboadia Zaho, kay misia fagnahy tôrotro menapitsiko avakeo tsy manan-tsigny karaha ny vôromailala. 17Mitandraima ny amin'ny ôlogno! Hanôlotro are amin'ny filan-kevitry zareo, avakeo hamboko areo ao amin'ny sinagogan-jareo. 18Aveo hindesigny agnatraihany governora ndraiky mpanjaka areo nohon'ny Aminaha, mbô ho antomoa amin-jareo ndraiky amin'ny reo Jentilisa.19Koafa manôlotro areo zareo, dia aza managna ahiahy amin'ny fomba na ino ho volagninareo, fao hamiagna areo amin'io fotoagna io zay tôkony hikoragninareo. 20Fao tsy areo no hivaolagna, fao ny Fagnahin'i Iadanareo no hivaolagna ao aminareo.24Ny mpianatra dia tsy gaida noho ny mpampianany, na ny mpanompo ho agnambony noho ny tompony.25 Ampy hoan'ny mpianatra raha tonga tôrotro mpampianany izy, avakeo ny mpanompo tôrotro ny tompony. Raha nantsôvin-jareo ho Belzeboba ny tômpon'ny tragno, dia ho ratsy lavitry karaha akôry reo agnaragna hagnantsaovan-jareo ny isam-pianakaviagna!28Aza matahotro reo zay mamono ny haigny kanaifa tsy afaka mamono fagnahy. Fao ndraiky, matahaora zay afaka mamotiky fagnahy ndraiky vatagna akagny amin'ny helo. 29Moa tsy vaola madiniky hely no hamaraotagna fôdy aroa? Fao tsy mbôla misy na araiky amin-jareo aby lavo amin'ny tany raha tsisy fahaizan'ny Iadanareo. 30Fao na ny volon-daohanareo aby voahisa jiaby. 31Aza ambory. Taigna manan-danja noho ny fôdy maro areo.32Noho zany zay jiaby mangeky Zaho eo agnatraihan'ny ôlogno, dia hikehiky faogna koa eo agnatraihan'ny Iadako zay akagny andangitry. 33Fao zay tsy magneky Zaho agnatraihan'ny ôlogno ndraiky, dia ho laviky faogna koa eo agnatraihan'ny Iadako zay akagny andangitry.34Aza mimenimeny fao Zaho dia avy hinday fiadanagna aketo an-tany. Tsy avy mbô hitondra fiadanagna Zaho, fao meso.35 Fao avy Zaho hagnasaraka ny zanaka lalahy amin'ny iadany, ndraiky zanaka vaiavy amin'ny nininy, aveo ny vinato vaiavy amin'ny rafozam-baviny.36 Reo zay ao an-tokatragnony faogna no hanjary fahavalon'ny ôlogno37Zay bahery tia iada na nininy mihoatra Zaho dia tsy magnaiva Zaho; ave zay bahery tia ny zanaka lalahy na ny zanany vaiavy mandikoatra Zaho dia tsy magnaiva Zaho.38 Zay tsy malaka kakazofijaliany kay tsy magnaraka Zaho dia tsy magnaiva Zaho.39 Zay magnavotro haigniny dia hahavery azy. Fao zay magnary haigniny nohony ny Aminaha dia hahita zany.40Zay mangala areo dia mangala Zaho, avakeo zay mangala Zaho dia mangala lehy nagniraka Zaho faogna koa.41Zay mangala mpagnazary satria mpagnazary izy dia hahazo ny valisoan'ny mpagnazary, avakeo zay mandray ôlo-marigny satria ôlo-marigny izy dia hahazo valisoan'ny ôlo-marigny.42Na zôvy na zôvy magnamia ny araiky amin'ny regny bahery madiniky regny, na dia rano manitsy kôpy araiky higiahiny aby, satria izy mpianatra, dia volagniky marigny aminareo fao, tsy ho very ny valisoany.''Chapter 11
1Aveo koafa avy nampianatra reo mpianany aroa ambin'ny fôlo Jesôsy, dia niala avy teo Izy hampianatra ndraiky hitory akagny amin'ny tanagnan-jareo. 2Ary koafa regnin'i Jaona t'angadra ny mahakasiky reo asan'i Kristy, dia nagnandaifa hafatra tamin'ny alalan'ny reo mpianany izy 3kay nivaolagna Azy nagnanjao: "Anao moa lehy araiky zay ho avy, sa tôkony hizaha hafa zahay?"4Jesôsy namaly aveo nivaolagna zareo: "Mandihiana avakeo volagno amin'i Jaona zay hitanareo ndraiky regninareo."5 Mahita reo gila, mandaiha reo ôlogno malemy, diovigny reo boka, maharegny indraiky reo ôlogno maregnigny, atsangan-ko velogno reo ôlogno maty, avakeo agnambaragna reo vava maharavo ny mijaly. 6Sambatra zay tsy tafintôhigny nohony Aminaha."9Naifa hizaha ino no niboahanareo - mpagnazary? Ia, mivaolagna aminareo Zaho, aveo mihoatra lavitry noho ny mpagnazary.10 Izy leha zay voasaoratra magnanjao: 'Zahavo, magniraka ny irahiky hialaoha haigninareo Zaho, izay hagnajary lalagn'areo.'11Volagniky marigny aminareo, fao amin'ny reo zay nataira-biavy dia tsisy gaida mihoatra noho Jaona mpagnano Batisa. Naifa ny ôlogno bahery tsy manan-danja eo amin'ny fanjakan'ny langitry dia gaida noho izy. 12Nanomboka tamin'ny andron'i Jaona mpagnano Batisa kay zisiky aminjeo, dia miaritry amin'ny herisaitra ny fanjakan'ny langitry, aveo reo ôlogno maherisaitra dia mangala azy an-keriny.16Amin'ino no tôkony hampitoviako tô taminga tô? Zany dia karaha ny zaza misaoma bazary, zay mibidôko ndraiky mifagnantsognantso17 kay mivaolagna magnanjao: 'Nitsitro sodigny aminareo zahay, fao tsy nandihy areo. Nagnano hira fisaonagna zahay, fao tsy nitomoagny areo.'20Aveo Jesôsy nanomboka nivaolagna mafy reo tanàgna zay nitsaboany ankamaroan'ny asany mahagaga, satria tsy nibaibaika zareo. 21"Loza hoanareo, ry Korazina! Loza hoanareo, ry Betsaida! Raha nitsabogny tagny Tyra ndraiky Sidona reo asa mahagaga zay nitsabogny teto aminareo, dia afa aila no nibaibaika tamin'ny lamba fisaonagna ndraiky lavenona zareo. 22Naifa ho taigna moramora ny an'ny Tyra ndraiky Sidona amin'ny andron'ny fitsaragna mihoatra noho ny areo.23Areo, ry Kapernaomy, mihevitry moa areo fao hakarigny agny an-dangitry? Tsia, ho ndesigny hijôtso akagny amin'ny helo areo. Satria raha tagny Sodoma no nitsabogny reo asa mahagaga zay nitsabogny teto aminareo, dia mbôla ho tavaila zany zisiky niany.24 Naifa mivaolagna aminareo Zaho fao ho taigna mora hoan'ny tanin'i Sodoma amin'ny andro fitsaragna noho ny aminareo."Chapter 12
1Tamin'ny zany fotoagna zany Jesôsy nandaiha namakivaky tanimbary tamin'ny andro Sabata. Tihinagna reo mpianany kay nisangotro vary aveo nihinagna zareo. 2Kanaifa koafa hitan'ny reo Fariseo zany, nivaolagna zareo tamin'i Jesôsy nagnanjao: "Zahavo, reo mpianatrao mitsabo raha tsy manjary amin'ny Sabata."3Fao Jesôsy nivaolagna zareo nagnanjao: "Mbôla tsy nivakinareo velively moa ny raha nitsabon'i Davida, koafa tihinagna izy, ndraiky reo lalahy jiaby niaraka taminazy? 4Nitsôfotro tao amin'ny tragnon-Jagnahary izy avakeo nihinagna môfon'ny fagnatraihagna, izay tsy mety aminazy raha hanigny aveo tsy manjary amin'ny reo zay niaraka taminazy, kanaifa manjary amin'ny sojaben'ny mpisôrogno azeraiky faogna.5Tsy mbôla nivakinareo moa ny akao amin'ny lalàgna, fao amin'ny Sabata reo mpisôrogno ampiangonagna dia manota ny Sabata kanaifa tsy manan-tsigny?6 Kanaifa volagniky aminareo fao aketo ny araiky goalahy noho ny fiangonagna.7Raha hainareo ny dikany hoe: 'Famindram-pô no iriky fao tsy sôrogno,' ave tsy nagnameloko ny tsy manan-tsigny areo. 8Fao ny Zanak'Ôlogno no Tômpony Sabata."9Avakeo Jesôsy niala tao kay nitsôfotro tamin'ny synagogan-jareo.10 Tô, nisy lalahy malemy tagnagna teo. Nagnontany Jesôsy reo Fariseo, nagnanjao: "Manjary moa mampahivagna amin'ny Sabata?" mbô hiampangan-jareo Azy amin'ny fahotagna.13Avakeo nivaolagna Jesôsy tamin'ny ngiahy nagnanjao: "Vavaro tagnagnao." Dia nivavarany zany, kay nimpôdy ny fahasalamagnany, tôrotro tagnany ilany.14 Fao niboaka reo Fariseo kay nivaolagna ny hamono Azy. Nitady hevitry ny amin'ny fomba mety hamonoagna Azy zareo.15Koafa nahay zany Jesôsy, dia niala teo Izy. Ôlogno maro nagnaraka Azy, aveo nampahivagniny izy jiaby.16 Dia nandidy zareo Izy mbô tsy hagnambara Azy amin'ny hafa, 17mbô hahatô, zay afa nikoragnigny tamin'ny alalan'Isaia mpagnazary, magnanjao:24Kanaifa koafa nahiregny zany fahagagagna zany reo Fariseo, nivaolagna zareo nagnanjao: "Io lalahy io tsy mandroaka masantôko raha tsy amin'ny alalan'i Belzeboba, lehiben'ny masantôko." 25Kanaifa han'i Jesôsy ny menimenin-jare kay nivaolagna zareo Izy nagnanjao: "Ny fanjakagna jiaby miady an-tragno tsy hatagna, aveo ny tanàgna na tragno jiaby miady an-tragno dia ho rava.26Raha mandroaka satana ny satana, miady an-tragno izy. Akôry aminy zany no hitsanganan'ny fanjakany? 27Avakeo koa mandroaka reo masantôko amin'ny alalan'i Belzeboba Zaho, amin'ny alalan-jôvy zany no androahan'ny zanak'areo zareo? Noho zany antony zany dia ho mpitsaranao zareo.31Noho zany volagniky aminareo fao, ho avotsotro heloka ny ôlogno amin'ny fahotany ndraiky fivolagnan-dratsy jiaby, fao ny fivolagnan-dratsy amin'ny Fagnahy Masigny dia tsy hahazo famontsaoran-keloka. 32Na zôvy na zôvy mivaolagna manohitry ny Zanak'Ôlogno, dia ho avôtsotro izy. Fao na zôvy na zôvy mivaolagna manohitry ny Fagnahy Masigny, dia tsy ho voavôtsotro izy, na amin'ny zao fiainagna zao, na amin'ny lehy ho avy.33Tsaboy tsara ny kakazo dia hamoa tsara zany, na tsaboy ratsy ny kakazo dia hamoa ratsy zany, fao hay amin'ny voany ny kakazo. 34Areo tamingan'ny bibilava, satria ratsy fagnahy areo, koa akôry no ahafahanareo mivaolagna raha tsara? Fao avy amin'ny hafontrizan'ny ao am-pô no ivolagnany vavany. 35Ny ôlogno tsara avy amin'ny hariagna tsara ao am-pôny dia magnaboaka zay tsara, aveo ny ôlogno ratsy avy amin'ny hariagna ratsy ao am-pôny dia magnaboaka zay ratsy.38Aveo nisy mpanaora-dalàgna ndraiky Fariseo sanany namaly Jesôsy aveo nivaolagna nagnanjao: "Oa Mpagnanatra, magniry ny ahita famantaragna avy aminao zahay." 39Fao namaly Jesôsy avakeo nivaolagna zareo nagnanjao: "Misy taminga ratsy fagnahy ndraiky mpijangajanga mitady famantaragna. Kanaifa tsisy famantaragna amiagna azy koa tsy famantaragna amin'i Jona mpagnazary. 40Fao tôrotro Jona zay telo andro ndraiky telo aligny tan-kibon-dako gaida, dia karaha zany koa no hidaohan'ny Zanak'Ôlogno telo andro ndraiky telo aligny agnaty tany.41Ireo ôlogno Ninive hitsangagna eo amin'ny fitsaragna miaraka amin'ny tô taminga tô avakeo hagnameloka zany. Fao nibaibaka zareo tamin'ny toritenin'i Jona, aveo tô, misy Ôlogno gaida noho Jona aketo.42Ny mpanjakavavin'ny atsimo dia hiaraka hitsangagna amin'ny reo lalahin'ny tô taminga tô amin'ny andron'ny fitsaragna avakeo hagnameloka zany. Tonga avy amin'ny faran'ny tany izy mbô hitandregny fahendriagnan'i Solomona, aveo tô, misy ôlogno gaida noho Solomona aketo.43Koafa nisy fagnahy ratsy niboaka tamin'ny lalahy araiky, dia mandalo tany tsisy raha izy avakeo mitady fitsaharagna, kanaifa tsy mahita zany. 44Izany dia mivaolagna: 'Himpôdy agny amin'ny tragnoko zay nahaviako zaho.' Aveo tonga, nahita fao voafafa ny tragno sady nilamigny. 45Aveo nandaiha zany salakady ninday fagnahy ratsy fito niaraka taminazy zay ratsy mihoatra azy, kay niditry nitoby tao izy jiaby. Avakeo nahay ratsy noho ny voalohany ny fiafaragnany zany lalahy zany. Aveo ho tôrotro zany koa ny amin'ny tô taminga ratsy fagnahy tô.''48Fao namaly Jesôsy aveo nivaolagna tamin'ny lehy nivaolagna Azy: "Zôvy niniky aveo zôvy reo rahalahiky?"49 Avakeo nivavarany tamin'ny reo mpianany ny tagnany aveo nivaolagna nagnanjao: "Zahavo, reto niniky ndraiky rahalahiky! 50Fao zay magnano sitrapôn'ny Iadako zay akagny an-dangitry, dia zany ôlogno zany no rahalahiky, ndraiky anabaviky, avakeo niniky."Chapter 13
1Tamin'ny zany andro zany Jesôsy nandaiha niboaka tragno avakeo nibidôko t'amôron-dranomasigny.2 Nisy vahoaka maro nivôry nagnodidigny Azy, kay nitsôfotro t'agnaty lakagna Izy aveo nantotry tao amin'ny zany, raha nitsangagna t'amôro-ndranomasigny ndraiky ny vahoaka jiaby.3Avakeo Jesôsy nivaolagna raha maro tamin-jareo tamin'ny alalan'ny aohatra. Nivaolagna Izy: "Tô, nisy mpamboly araiky nandaiha niboaka hamafy voa. 4Raha izy namafy igny, dia nisy voa sasany latsaka t'amôron-dàlagna, avakeo avy reo vôrogno kay nihinagna reo.5 Ireo voa hafa ndraiky latsaka tamin'ny tany maro vato, zay tsy nazahoan-jareo nôfon-tany tsara. Samby te naniry reo, satria tsy laligny ny tany.6 Fao koafa niboaka masaova, maigny reo satria tsisy fôtony, aveo nalazo.7Latsaka tamin'ny fatsiky reo voa hafa. Naniry reo fatsiky avakeo nanery zareo. 8Reo voa hafa latsaka tamin'ny tany tsara avakeo namoa voany, ny sasany nitômbo zato, sasany enim-pôlo, aveo ny sasany telopôlo.9 Zay managna sôfigny, aoka izy hitandregny."15Fao nanjary donto ny fôn'ny tô vahoaka tô, avakeo mafy sôfigny zareo, aveo napin-jareo ny masony, biaka tsy hahita amin'ny mason-jareo, na haharegny amin'ny sôfigny n-jareo, na hahazo amin'ny fôn-jareo, kay hibaibaka ndraiky zareo, avakeo hampahivagna zareo Zaho.'16Fao sambatra ny masonareo, satria mahita; ave ny sôfign'areo, satria maharegny. 17Volagniky marigny aminareo fao mpagnazary ndraiky ôlogno marigny maro no nagniry hahita reo raha zay hitanareo, kanaifa tsy nahita reo. Nagniry hitandregny reo raha zay regninareo zareo, kanaifa tsy naharegny reo.20Leha nafafy tamin'ny tany maro vato dia ny ôlogno zay maharegny ny vaolagna aveo igny malaka azy an-karavoagna, 21naifa tsy mbôla mijodigny agnatiny izy avakeo tsy mahadigny aila aby. Koafa avy fahoriagna na fagninjaihagna nohon'ny amin'ny vaolagna, dia malaky tafintohigny izy.22Leha nafafy tamin'ny fatsiky, dia ny ôlogno zay maharegny ny vaolagna, naifa ny fiahiahian'izao tontolo izao ndraiky ny fitaka ny hariagna no manery ny vaolagna, avakeo nanjary tsy mamoa izy.23 Leha nafafy tamin'ny tany tsara, ny ôlogno zay mitandregny ny vaolagna salakady mahazo zany. Mamoa voan-kakazo izy aveo mahatonga ny voa araiky, hagnamia tômbony zato mihoatra zay navoly, ny sasany enim-pôlo, ny sasany tômbony telopôlo.''29Leha tômpon-tany nivaolagna: 'Tsia. Satria raha magnombotro reo sary vary areo, dia mety hagnombotro ny fôtony vary miaraka amin-jareo koa. 30Ambilao hiaraka haniry zareo roa zisiky izy didiagna. Amin'ny fotoam-pandidiagna dia hivaolagna amin'ny mpadidy zaho magnanjao: "Alao alaoha reo ahi-dratsy avakeo fihezo tady maromaro mbô hagnoroagna zareo, fao afom-pôno ao amin'ny fambilagna vaokatra ndraiky reo vary.'''''34Aohatra no nagnambaran'i Jesôsy reo raha jiaby reo tamin'ny vahoaka; aveo tsy nivaolagna na ino na ino tamin-jareo koa tsy tamin'ny aohatra Izy. 35Zany biaka hahatô zay nivolagnigny tamin'ny alalan'ny mpagnazary, koafa nivaolagna Izy nagnanjao: "Zaho hivaolagna amin'ny alalan'ny aohatra. Hivaolagna raha zay navôny letrizay nagnoraignagna izao tontolo izao Zaho.''36Avakeo Jesôsy niala reo vahoaka aveo nitsôfotro antragno. Nagneo aminazy reo mpianany avakeo nivaolagna nagnanjao: "Hazavay aminay ny aohatra mahakasiky leha sary varin'ny saha." 37Namaly Jesôsy aveo nivaolagna: "Leha mamafy voa tsara dia ny Zanak'Ôlogno. 38Ny saha dia izao tontolo izao; avakeo ny voa tsara, reo no zanaky ny fanjakagna. Ny sary vary dia reo zanaky Leha ratsy, 39aveo ny fahavalo zay namafy zareo dia devoly. Ny fandidiagna dia ny fahatapairan'izao tontolo izao, avakeo ny mpandidy dia reo anjely.40Noho zany, karaha ny amompaonagna ndraiky agnoroagna reo sary vary amin'ny môtro, no atao koa amin'ny fahatapairan'izao tontolo izao. 41Hagniraka reo anjeliny ny Zanak'Ôlogno, aveo ho avôrin-jareo hiala amin'ny fanjakany reo raha jiaby zay mahatonga fahotagna, ndraiky reo zay mitsabo ratsy. 42Ho atopin-jareo ao amin'ny lafaoro gaida mirehitry môtro zareo, zay hisy ny fitomoagniagna ndraiky fikotroha-nify. 43Avakeo hangilatra tôrotro masaova ao amin'ny fanjakan'ny Iadan-jareo ny ôlo-marigny. Izay manan-tsôfigny, aoka izy hitandregny.44Ny fanjakan'ny langitry dia karaha hariagna zay mivôny ao amin'ny saha araiky. Nisy lalahy nahita zany aveo navôniny. Nandaiha tamin'ny haravoagna izy, nivarotro zay jiaby nanagnany, avakeo nividy saha io. 45Aveo koa, ny fanjakan'ny langitry dia tôrotro lalahy zay mpivarotro mitady vato lafo vidy. 46Koafa nahita vato araiky zay taigna lafo izy dia nandaiha kay nivarotro zay jiaby nanagnany kay nividy zany.47Aveo koa, ny fanjakan'ny langitry karaha ny harato zay natopy tagny an-dranomasigny, avakeo nafômpogno reo karazan-draha managn'aigny jiaby. 48Koafa feno zany, dia nisintonin-jareo mpagnarato ho akeo amôron-dranomasigny. Aveo zareo nantotry kay namôry reo raha tsara hoamin'ny toairany, fao reo raha tsy ilaigny ndraiky narian-jareo.51Azonare moa zany raha jiaby zany?" Nivaolagna reo mpianany Taminazy nagnanjao: "Ia." 52Avakeo Jesôsy nivaolagna tamin-jareo: "Noho zany ny mpanora-dalàgna jiaby zay nanjary mpianatra eo amin'ny fanjakan'ny langitry dia karaha ny lalahy tômpon-tragno araiky, zay magnaboaka reo raha haila ndraiky reo raha vava avy ao amin'ny hariagnany." 53Avakeo koafa nahavita reo aohatra reo Jesôsy, dia niala tamin'ny zany toairagna zany Izy.54Avakeo Jesôsy niditry tao amin'ny taniny aveo nampianatra reo vahoaka tao amin'ny synagogan-jareo. Vokatra zany gaga zareo aveo nivaolagna nagnanjao: "Avy aiza no nazahoan'i tô lalahy tô fahendriagna ndraiky reo fahagagagna reo? 55Tsy io lalahy io moa no zanak'leha mpandrafitry? Tsy Maria moa no agnantsaovagna nininy? Tsy Jakoba, Josefa, Simona, aveo Jodasy moa rahalahiny? 56Tsy miaraka amintsika moa reo anabaviny jiaby? Avy aiza nazahoany reo raha jaby reo?"57Tôhigny nohon'ny Aminazy zareo. Fao nivaolagna Jesôsy tamin-jareo nagnanjao: "Tsisy mpagnazary tsisy hajany raha tsy amin'ny fireneny ndraiky ao amin'ny fianakaviany faogna.'' 58Tsy dia nitsabo fahagagagna maro tao Izy nohon'ny tsy finoagnan-jareo.Chapter 14
8Koafa avy nitoroan'ny nininy marika, dia hoizy izy: "Amiazo zaho aketo, agnambon'ny lovia, ny laohan'i Jaona mpitsabo batisa." 9Nalahelo mafy nohon'ny fangatahany ny mpanjaka, naifa nohon'ny voadiny ndraiky nohon'ny reo jiaby nihinagna niaraka taminazy, dia nagnamia baiko izy fao tôkony ho vita zany.13Ary koafa nahiregny zany Jesôsy, dia niala avy teo tamin'ny lakagna araiky Izy hagnagny amin'ny toairagna mitaokagna araiky. Koafa nahiregny zany reo vahoaka, dia nagnaraka Azy an-kongotro avy tagny amin'ny reo tanam-be. 14Aveo Jesôsy nagneo agnatraihan-jareo avakeo nahita reo vahoaka maro be. Nangoraka zareo Izy aveo nampahivagna aretigny n-jareo.15Koafa havy ny haligny, dia nagneo aminazy reo mpianatra avakeo nivaolagna nagnanjao: "Tô dia toairagna foagna, aveo afa tapitry edy ny andro. Alifaso reo vahoaka, mbô ahafahan-jareo mandaiha akagny amin'ny reo tanagna aveo hividy hanigny hoan'ny haignin-jareo."19Avakeo Jesôsy nibaiko reo vahoaka mbô hantotry amin'ny faotaka. Nalainy reo môfo dimy ndraiky hazandrano aroa. Nianga t'andangitry, dia nisaotra Izy aveo nanapaka reo môfo kay namiany reo mpianatra, avakeo reo mpianatra nagnamia zany amin'ny reo vahoaka.20 Nihinagna jiaby izy jiaby avakeo vôky. Aveo nafômpogno reo lambiny reo hanigny kay nahafeno aroa ambiny fôlo harogno. 21Teo amin'ny dimy arivo lahy teo reo nihinagna, ankoatrany reo zaza ndraiky vaiavy.25Tamin'ny fotoagna faha aifatra tamin'ny haligny dia nagnatogno zareo Jesôsy, nandaiha t'ambony ranomasigny. 26Koafa nahita Azy nandaiha tambony ranomasigny reo mpianatra, dia ambory kay nivaolagna nagnanjao: "Iagnandraha io," avakeo nangaikingaiky tamin'ny hamboriagna zareo. 27Fao Jesôsy nivaolagna tamin-jareo samby teo nagnanjao: "Maheraiza! Zaho tô! Aza ambory."28Namaly Azy Petera nagnanjao: "Tompo, raha Anao io, iraho magnatogno Anao egny ambonin'ny rano zaho." 29Hozizy Jesôsy: "Magnataogna." Kay niala avy tamin'ny lakagna Petera aveo nandaiha tambony rano mbô hagnatogno Jesôsy. 30Fao koafa nahita rivotro Petera, nanjary ambory. Raha nanomboko nilentiky izy, dia nangaiky mafy izy sady nivaolagna nagnanjao: "Tompo, avaoty zaho!"31Samby teo Jesôsy namavatra tagnany, nitagna Petera, aveo nivaolagna: "Anao ry hely finoagna, fao magnino anao nisalasala?" 32Aveo Jesôsy ndraiky Petera nandaiha amin'ny lakagna, nijanogno ny dalavoko ny rivotro.33 Aveo reo mpianatra t'agnaty lakagna nidaira Jesôsy avakeo nivaolagna: "Anao marigny no Zanaka Zagnahary."34Koafa avy nitsaka zareo, dia tonga t'an-tanety tao Genesareta. 35Koafa nahay Jesôsy reo lalahy tao amin'ny zany toeragna zany, dia nagnandaifa hafatra tegny amin'ny faritry magnodidigny jiaby, aveo nindesindreo Aminazy zay ôlogno marary jiaby. 36Niangavigny Taminazy zareo mbô hahafahan-jareo mikasiky zôrondambany faogna, aveo maro reo nikasiky zany kay nahivagna.Chapter 15
7Oa mpiatsaravelatsihy! Marigny ny faminaniagnan'Isaia mahakasiky areo raha nivaolagna izy nagnanjao: 8'Tô vahoaka tô dia magnaja zaho amin'ny vavan-jareo, fao ny fôn-jareo lavitry zaho. 9Tsisy dikany ny fiderany zaho, satria zareo mampianatra ny didin'ôlombelogno karaha fampianaran-jareo."'10Aveo nagnantso vahoaka handaiha Aminazy Izy avakeo nivaolagna tamin-jareo: "Mitandrignaisa kay mahazoa_11Tsy ny miditry ao ambavan'ôlogno no mandoto ôlogno. Fao ndraiky, zay aboaka ny vava, no mandoto ny ôlogno."12Aveo nagnatogno reo mpianatra avakeo nivaolagna tamin'i Jesôsy: "Moa hainareo fao tôhigny reo Fariseo nohon'ny naharegny zany vaolagna zany?" 13 Jesôsy namaly kay nivaolagna nagnanjao: "Reo raha maniry zay tsy navoliny lehy Iadako akagny andangitry dia ho mbotako jiaby.14 Ambilao zareo akeo, zare dia mpitariky ngila. Raha misy ôlogno gila araiky mitariky gila araiky hafa, dia samy hivarigny andavaka zareroa."15Petera namaly kay nivaolagna tamin'i Jesôsy nagnanjao: "Hazavay aminay zany aohatra zany." 16Hozizy Jesôsy: ''Tsy manam-pahaizagna faogna koa moa areo?" 17Tsy hitanao moa fao zay miditry amin'ny vava dia mandaiha am-bôko avakeo miboaka akagny amin'ny lava-piringy?18Fao reo raha zay aboakany vava dia avy amin'ny fô. Reo raha reo no mandoto ny ôlogno araiky.19 Fao avy amin'ny fô no iboahan'ny saigny ratsy, ny famonoagna ôlogno, ny fijangajangagna, ny fangalaragna vadin'ny ôlogno, ny halatra, ny fitsanganagna antomo tsy marigny, aveo ny fivolagnan-dratsy.20 Reo raha reo no mandoto ny ôlogno araiky. Fao ny mihinagna amin'ny tagnagna tsy sasagna dia tsy mandoto ny ôlogno araiky."24Fao Jesôsy namaly avakeo nivaolagna nagnajao: "Tsy nirahigny ho amin-jôvy na zôvy Zaho koa tsy amin'ny ondry very amin'ny tamingan'Israely." 25Fao avy nangataka ndraiky niankohaka t'agnoloany izy, nagnanjao: "Tompo, avaoty zaho." 26Namaly Izy kay nagnanjao: "Tsy manjary alaigny ny môfon-jaza kay atopy ho amin'ny amboa."29Niala teo Jesôsy kay nagnagny narikitry ranomasigny Galilia. Aveo nakatra t'an-tanety araiky Izy kay nidôko teo. 30Vahoaka maro no nagnatogno Azy. Nindesin-jareo niaraka tamin-jareo ny mandringa, ny gila, ny möa, ny kilemaigny, avakeo ny marary maro hafa koa. Nabidôkon-jareo tan-tongotro Jesôsy reo; kay nampahivagniny. 31Kay sondriagna ny vahoaka raha nahita reo möa mivaolagna, ny kilemaigny nahivagna, ny malemy afaka mandaiha, aveo ny gila mahita. Nankalaza Zagnaharin'Israely zareo.32Nagnantso reo mpianany mbô hagnatogno Azy Jesôsy aveo nivaolagna: "Mangoraka reo vahoaka Zaho, satria afa telo andro zareo nidôko niaraka taminaha kanaifa tsy managna ho hoanigny. Tsy te hagnandaifa zareo tsy mihinagna Zaho, fao tsaha be ho toragna egny an-dàlagna." 33Hoizy reo mpianatra taminazy: "Aiza hahitavanay môfo mahampy reo vahoaka fôntry be reo atoy antanimaty?'' 34Hoizy Jesôsy tamin-jareo: "Môfo firy no agny aminareo?" Ary hoizy zareo: "Fito, ndraiky hazandrano madiniky tsy fôntry." 35Avakeo Jesôsy nandidy vahoaka mbô hantotry amin'ny tany.36Nangala môfo fito lambin'ny hazandrano Izy, aveo koafa nisaotra, dia namaky môfo kay nanôlotro reo amin'ny mpianatra. Reo mpianatra nagnamia reo hoany vahoaka.37 Nihinagna kay afa-pô ny vahoaka jiaby. Avakeo zareo namômpogno harogno fito feno lambilambiny zay tsy lany.38 Reo zay nihinagna dia aifatra arivo lahy, tsy agnatiny zaza ndraiky vaiavy.39 Avakeo Jesôsy nampôdy vahoaka kay nitikigny lakagna aveo nagnagny amin'ny faritry MagadagnaChapter 16
1Avy reo Fariseo ndraiky Sadoseo aveo nitsapa Azy kay nangataka Azy mbô hagnaboaka amin-jareo famantaragna avy akagny an-dangitry.2 Fao Izy namaly avakeo nivaolagna taminjareo nagnanjao: "Koafa hariva, dia hoizy areo: 'Ho tsara ny andro, fao maina ny langitry.'3Koafa marandraigny, hoizy areo: 'Ho ratsy ny andro, fao maina sady manjombona ny andro.' Hainareo ny maminavina ny bikany ny langitry, fao areo tsy afaka mandiniky reo famantaragna ny fotoagna. 4Ny taminga ratsy ndraiky mpijangajanga dia mitady famantaragna, fao tsy hoisy famantaragna hamiagna azy ivailany ny famantaran'i Jona." Avakeo Jesôsy niala zareo kay lôsogno.5Koafa tonga tagny andafirô reo mpianatra, dia hadignanjareo ninday môfo.6 Hoizy Jesôsy taminjareo: "Mandrasa aveo mitandraima amin'ny masimasin'ny reo Fariseo ndraiky Sadoseo."7 Niady hevitry reo mpianatra kay nivaolagna nagnanjao: "Nohony atsika tsy ninday môfo zany."8 Jesôsy nahay zany kay nivaolagna: "Areo ry hely finoagna, nagnino areo miady hevitry aminareo kay mivaolagna fao nohon'ny tsy nindaisanareo môfo zany?9Mbôla tsy hainareo na tsaroanareo moa ny môfo dimy hoan'ny dimy arivo, aveo harogno firy no nafôpogno areo? 10Na reo môfo fito hoan'reo aifatr'arivo, ary harogno firy no nalainare?13Ary koafa tonga tagny amin'ny faritry narikitry Kaisaria-filipo Jesôsy, dia nagnontany reo mpianany Izy: "Atan'ôlogno ho zôvy moa ny Zanak'Ôlogno?" 14Hoizy zareo namaly: "Ny sasany mivaolagna fao Jaona mpagnano batisa; ny sasany, Elia; aveo reo hafa, Jeremia, na araiky amin'ny reo mpagnazary.'' 15Hoizy Izy taminjareo: "Fao areo ndraiky magnano Zaho ho zôvy?" 16Namaly, Simona Petera nagnanjao: "Anao no Kristy, Zanak'lehy Zagnahary velogno."19Hamiako areo ny fangalahidin'ny langitry. Na ino na ino fihezinao aketo ambonin'ny tany dia hifihezigny akagny an-dangitry, avakeo na ino na ino no vahanao aketo an-tany dia hivahagna akagny an-dangitry." 20Aveo Jesôsy nagniraka reo mpianatra fao zareo tsy tôkony hivaolagna na aminjôvy na zôvy fao Izy no Kristy.24Avakeo Jesôsy nivaolagna taminjareo mpianany: "Raha misy te hagnaraka Zaho, dia tsy maintsy miala ny haigniny izy, hinday kakazofijaliany, aveo magnaraka Zaho. 25Fao na zôvy na zôvy tehagnavotro ny haigniny dia hahavery azy, aveo na zôvy na zôvy no hahavery ny aigniny nohon'ny Aminaha, dia hahazo zany.26 Fao ino moa no tsara ho azon'ôlogno koa mahazo zao tontolo zao kanaifa very ny aigniny? Ino no amian'ôlogno ho takalon'ny aigniny?Chapter 17
1Enign'andro tatoy afara Jesôsy dia nalaka Petera, Jakoba, avakeo Jaona rahalahiny niaraka taminazy, aveo nitondra zareo nakatra tanety ambo tamin'ny haigninjareo.2 Niaova bika teo agnatraihanjareo Izy. Nangilatra mitôvy masaova ny haigniny, aveo ny lambanazy nanjary nangilatra mitôvy hazavagna.3Tô, niboaka taminjareo Mosesy ndraiky Elia nikoragna taminazy. 4Namaly Petera aveo nagnanjao tamin'i Jesôsy: "Tompo, tsara amintsika aketo. Raha sitrakao, hitsabo tragno telo ho antsika aketo zaho, araiky nihinao, araiky nihin'i Mosesy aveo araiky nihin'i Elia."5Raha mbôla nivaolagna Izy, tô, nisy zavogno mazava nanafotro zareo, aveo igny, nisy feo niboaka avy tao amin'ny zavogno, nagnanjao: "Tô no Zanako tiako, zay taigna sitrako. Tandrinaiso Izy." 6Koafa regniny reo mpianatra zany, dia lavo zareo aveo ambory mafy. 7Avake havy Jesôsy ary nikasiky zareo kay nivaolagna: "Mitsangàna ary aza ambory."8 Aveo nizaha agnambo zareo fao tsy nahita na zôvy na zôvy koa tsy Jesôsy zeraiky.9Raha nijôtso tanety zareo, dia nagniraka zareo Jesôsy, nagnanjao: "Aza ambara zao fahitagna zao na aminjôvy na aminjôvy mandra-pitsanganan'ny Zanak'Ôlogno amin'ny maty." 10Nagnontany Azy reo mpianany, nagnanjao: "Nagnino ary reo mpanaoratra lalàgno mivaolagna fao Elia dia tsy maintsy hoavy alaoha?"11Jesôsy namaly aveo nivaolagna: "Elia dia taigna hoavy aveo hagnampôdy amin'ny naniny ny raha jiaby. 12Naifa koragniky aminareo, fao afa avy Elia, fao zareo tsy nahay azy. Mifanohitry amin'ny zany, nagnano raha jiaby zay tiany nitsabogny taminazy zareo. Ary karaha zany faogna koa, ny Zanak'Ôlogno faogna koa dia hijaly eo agnolagnanjareo. 13Aveo dia azon'ny reo mpianatra fao nivaolagna taminjareo mahakasiky Jaona mpitsabo Batisa Izy.14Koafa tonga teo amin'ny vahoaka zareo, dia nisy lalahy araiky nagnatogno Azy, nandongoalitry talaohany, aveo nivaolagna,15 "Tompo, manàgna famindram-pô amin'ny zanako lalahy, fao voan'ny androbe izy aveo mijaly mafy. Fao lavo mazagna agny agnaty môtro na rano izy. 16Nitondra azy tamin'ny reo mpianatrao zaho, fao tsy afaka nampahivagna azy zareo."22Raha nidôko tagny Galilia zareo, dia hoizy Jesôsy tamin'ny reo mpianany: "Ny Zanak'Ôlogno dia hatôlotro eo an-tagnan'ny ôlogno, 23ary zareo hamono Azy, ary andro fahatelo dia hatsangagna Izy." Nanjary nalahelo tantairaka reo mpianatra.26Koafa nivaolagna Petera: "Avy amin'ny reo vahiny.'' Dia hoizy Jesôsy taminazy: "Dia afaka amin'ny fagnifagna zany reo vahoaka. 27Fao mbô tsy hampanotantsika ny mpamôry haitra, dia mandihiana agny amin'ny ranomasigny, atopizo harato akao, aveo alaivo lako zay makatra voalaohany. Koafa voasaokatra vavany, dia hahita sekely anao. Alaivo zany ary amiazo reo mpamôry haitra ho ninaha ndraiky anao."Chapter 18
9Raha mahatonga fagnafintohinagna aminao ny masonao araiky, mbóto zany aveo alào aminao. Taigna tsara aminao ny miditry akagny amin'ny fiainagna bariky dintany miaraka amin'ny maso ilany noho ny ho very akagny amin'ny môtro tsy mety maty miaraka amin'ny maso aroa.10Tandremo tsy hagnano tsinitsinona reo zaza madiniky reo areo. Fao mivaolagna aminareo Zaho fao agny an-dangitry reo anjeliny dia mizaha faogna ny bikany Iadako zay akagny an-dangitry.11 [Fagnamarihagna: Ny diaka-teny talaoha taigna tsara dia tsy ahitagna ny fehezanteny zay miboaka hotra ny v.11. hoe: "Fao ny Zanak'Ôlogno dia tonga mbô hagnavotro zay very."]15Raha manota aminao ny rahalahinao, mandihiana aveo koragno aminazy ny hadisoagnany, aminao ndraiky izy zeraiky faogna. Raha mitandregny anao izy, dia hifankahazo amin'ny rahalahinao indraiky anao. 16Kanaifa raha tsy mitandregny anao izy, dia alaivo araiky na aroa hafa miaraka aminao, amin'ny zay mbô amin'ny vavan'ny reo antomoa aroa na telo no ahafahana magnamarigny ny vaolagna jiaby.17Ary koa tsy mangneky ny hitandregny zareo izy, dia koragno amin'ny fiangonagna ny raha misy. Raha tsy magneky hitandregny fiangonagna faogna koa izy, dia ambilao izy ho karaha ny Jentilisa ndraiky mpamôry haitra.23Noho zany ny fanjakan'ny langitry dia mitôvy amin'ny mpanjaka araiky zay tihifandamigny ara-baola miaraka amin'ny reo mpanompony.24 Raha vo nanomboko ny fandaminagna izy, dia nisy mpanompo araiky nindesigny tamin'ny zay nanagnany talenta ray aligny. 25Naifa satria tsy nanagna fomba hagnifany zany izy, dia nangiraka ny hamaraotagna azy ny tompony, miaraka amin'ny vadiny ndraiky reo zanany avakeo zay hanagnany jiaby, kay ho vita ny fagnifagna traosa.26Noho zany dia nondriky lehy mpanompo, aveo niankaohaka t'agnatraihany, ary nivaolagna nagnanjao: 'Tompo, manàgna faharaitagna aminaha, dia hifaiky aminao raha jiaby.'27 Noho zany ny tompony zany mpanompo zany, dia nangoraka, kay nagnafaka azy ary nagnambaila traosa taminazy.28Fao niboaka mpanompo io kay nahita ny araiky tamin'ny reo mpiara-manompo aminazy, zay nanagnany dinaria zato. Nisambôriny izy, niraisiny tamin'ny taindany, aveo nivaolagna nagnanjao: 'Hifay aminaha zay nitrosainao.' 29Naifa nondriky mpiara-manompo aminazy io aveo nitalaho taminazy, nagnanjao: 'Manàgna faharaitagna aminaha, dia hifaiky aminao indraiky.'30Kanaifa tsy nagneky lehy mpanompo voalaohany. Mifanohitry amin'ny zany, nandaiha izy ary natany tagny am-pigadragna lehy mpiara-manompo aminazy mandra-pagnifany aminazy zay nitrosainy. 31Koafa nahita zay nitranga reo mpiara-manompo aminazy, dia taigna nalahelo zareo. Nandaiha ary nivaolagna tamin'ny tompony zay jiaby nitranga zareo.Chapter 19
1Ary koafa nahavita reo koragna reo Jesôsy, niala tagny Galilia Izy, ary nagnagny amin'ny faritry Jodia zay tany andafirôndranon'ny Jordana. 2Vahoaka maro nagnaraka Azy, kay nampahivagna zareo tagny Izy.3Nagnatogno Azy reo Fariseo, nitsapa Azy, nivaolagna taminazy nagnanjao: "Ara-dalàgna amin'ny lalahy moa ny misaraka amin'ny vadiny noho zay mety ho antony?" 4Jesôsy namaly salakady nivaolagna nagnanjao: "Tsy nivakinareo moa fao Izy zay nagnano zareo tamin'ny voalaohany dia nagnano zareo ho lalahy ndraiky vaiavy?7Hoizy zareo taminazy: "Nagnino zany Mosesy magniraka zahay hagnamia taratasy fagnamarignam-pisarahagna aveo hampôdy azy? 8Hoizy Izy taminjareo: "Fao ny hamafisam-pônareo no nagnambilan'i Mosesy areo hisaraka amin'ny vadinareo, fao tamin'ny voalaohany dia tsy zany no fomba.9 Koragniky areo, na zôvy na zôvy misaraka amin'ny vadiny, koa tsy nohon'ny fijangajangagna, kay manambady hafa, dia magnitsakitsa-bady; ary ny lalahy manambady vaiavy zay afa nisara-bady dia mijangajanga."16Tô, nisy lalahy nagnatogno Jesôsy aveo nivaolagna nagnanjao: "Mpampianatra, ino raha tsara tsy maintsy tsaboky biaka hazahoako fiainagna bariky dintany?" 17Jesôsy nivaolagna taminazy nagnanjao: "Nagnino anao magnintany mahakasiky zay tsara atoy aminaha? Araiky faogna tsara, fao raha tihiditry akagny amin'ny fiainagna anao, dia tandremo reo didy."20Lehy zatovo nivaolagna taminazy nagnanjao: "Afa nankatôviky jiaby zany jiaby zany. Ino no mbôla ilaiky?" 21Jesôsy nivaolagna taminazy: "Raha magniry ho tonga lafatra anao, dia mandihana, avidío zay anagnanao, aveo amiazo ny mijaly, kay hanagna hariagna akagny an-dangitry anao; ary avia, magnaraha Zaho." 22Fao koafa nahiregny zay nivolagnin'i Jesôsy lehy zatovo, dia niala tamin'ny alahelo izy satria nanagna fanagnagna maro.23Hoizy Jesôsy tamin'ny reo mpianatra nagnanjao: "Ambarako marigny aminareo, sarotro hoan'ny mpanankariagna ny hiditry ny fanjakan'ny langitry. 24Ary mbôla koragniky aminareo indraiky, taigna mora hoan'ny ramaiva ny miditry amin'ny vôdim-panjaitry toy zay ny idiran'ny mpanankariagna ao amin'ny fanjakan-Jagnahary."25Koafa naharegny zany reo mpianatra, dia taigna sondriagna kay nivaolagna nagnanjao: "Zôvy ary zany no afaka ho avaotagna?" 26Nizaha azy zareo Jesôsy aveo nivaolagna: "Amin'ny ôlogno dia tsy hay tsabogny zany, fao amin-Jagnahary ny raha jiaby dia azo tsabogny."27 Avakeo Petera namaly aveo nivaolagna nagnanjao: "Tô, nambailanay ny raha jiaby ary nagnaraka Anao zahay. Ino ary no hoazonay?"29Ny ôlogno jiaby zay niala tragno, rahalahiny, anabaviny, iada, niny, zanaka, na tany nohon'ny agnarako, dia hahazo tômbony zato ave handaova fiainagna bariky dintany. 30Fao maro reo zay voalaohany hanjary farany, aveo ny farany ho voalaohany.
Chapter 20
1Fao ny fanjakan'ny langitry dia tôrotro tompon-tany zay nandaiha marandraigny hagnakarama mpiasa amin'ny tanim-boalobony. 2Koafa avy nifagnaraka tamin'ny reo mpiasa izy fao ho denaria araiky isan'andro ny karamanjareo, dia nalaifany tagny amin'ny tanim-boaloboko zareo.11koafa nahazo karamany zareo, dia nitaraigny mahakasiky lehy tompon-tany azareo. 12Hoizy zareo nagnagnanjao: "Reo mpiasa farany reo niasa adiny araiky edy, naifa nampitovisinao taminay zareo, zahay zay nizaka havisaragna ny tontolo andro ndraiky niaritry haign'andro.'15Tsy manan-jo hitsabo zay tiako amin'ny zay ninaha moa zaho? Sa mialogno moa areo satria malala-tagnagna zaho?'16 Kay ny farany ho voalaohany, aveo ny voalaohany ho farany. ["Fagnamarihagna: Ny dika-teny talaoha taigna tsara dia magnala ny hoe: "Maro no antsôvigny fao vitsy ny voafidy."]17Raha hiala hoagny Jerosalema Jesôsy, dia nalaka reo aroa ambin'ny fôlo t'ankilany Izy, aveo tegny an-dalagna Izy nivaolagna tamin-jareo nagnanjao: 18"Tô, hakatra hoagny Jerosalema atsika, ary ny Zanak'Ôlogno hatôlotro eo amin'ny laohan'ny mpisôrogno ndraiky reo mpanora-dalàgna. Zareo hagnameloko Azy hofoaty 19aveo hanôlotro Azy amin'ny reo Jentilisa mbô himohaizagna, ho bobohigny, ary hamantsiky Azy amin'ny kakazo fijaliagna. Fao amin'ny andro fahatelo hatsangagna indraiky Izy."20Aveo ny ninin'ny reo zanaka lalahin'i Zebedio nagnatogno Jesôsy niaraka tamin'ny reo zanany lalahy. Niankaohaka t'agnatraihany izy ary nangataka raha avy Aminazy. 21Hoizy Jesôsy taminazy: "Ino tianao" Hoizy izy taminazy: "Magniraha mbô hidaohan'ny reto zanako aroa lahy reto, araiky an-tagnagnao ankahery aveo araiky an-tagnagnao ankavia, amin'ny fanjakanao."29Raha niboaka avy akagny Jeriko zareo, vahoaka maro nagnaraka Azy. 30Nisy lalahy gila aroa nidôko t'amôron-dalagna. Koafa naharegny fao nandalo Jesôsy, nangaiky mafy zareo nagnanjao: "Tompo, zanak'i Davida, mamindrà fô aminay." 31Nasiaka zareo ny vahoaka, nivaolagna zareo mbô hangigny, kanaifa zareo nahay nangaiky mafy nagnanjao: "Tompo, zanak'i Davida, mamindrà fô aminay."
Chapter 21
4Ary tô zany mbô hahatantairaka zay nambara tamin'ny alalan'ny mpagnazary. Hoizy Izy: 5"Koragno ny zanaka vaiavin'ny Ziona magnanjao: 'Tô, ny mpanjakanao magnatogno anao, manetry taigna aveo mitikigny boriky-zanaboriky lahy."'9Avakeo reo vahoaka nandaiha alaohan'i Jesôsy ndraiky reo zay nagnaraka azy nitabataba nagnanjao: ''Hosana hoan'ny zanak'i Davida! Isaoragna lehy tonga avy amin'ny agnaran'ny Tompo! Hosana agny amin'ny taigna agnambo!" 10Koafa niditry tao Jerosalema Jesôsy, dia nangaiky ny tanagna araiky kay nagnanjao: "Zôvy moa io?"11 Ny vahoaka namaly: "Izy no Jesôsy lehy mpagnazary avy akagny Nazareta agny Galilia."15Fao koafa nahita ny raha-mahagaga nitsabony ny lehiben'ny mpisôrogno ndraiky ny mpanora-dalàgna, aveo koafa regnin-jareo ny zaza madiniky nitabataba t'an-tempoly nagnanjao: "Hosana hoan'ny zanak'i Davida," dia vingitry mafy zareo. 16Hoizy Izy reo taminazy: "Regninareo moa zany koragnin'ny reo ôlogno reo?" Namaly zareo Jesôsy nagnanjao: "Ia! Fao tsy mbôla nivakinareo velively moa ny magnanjao: 'Avy amin'ny vavan'ny zaza madiniky ndraiky ny zaza minono no nandavorarinareo ny fideragna?''17 Avakeo niala zareo Jesôsy kay nandaiha tagny amin'ny tanàgnan'i Betania aveo nidôko tao aligny.18Ary koafa marandraigny raha nimpôdy tagny an-tanagna Izy, dia tihinagna. 19Nahita kakazon'aviavy tagny an-tsisin-dàlagna, dia nagnatogno tagny Izy aveo tsy nahita na ino na ino teo koa tsy raviny. Hoizy Izy taminazy nagnanjao: "Aoka tsy hoisy taignany eky avy aminao bariky dintany," ary niaraka tamin'ny zay dia maigny lehy aviavy.23Koafa niditry t'an-tempoly Jesôsy, dia nagnatogno Azy ny lehiben'ny mpisôrogno ndraiky ny zokiôlogno raha nampianatra Izy aveo nivaolagna: "Fahefagna avy aiza moa agnanaovanao regny raha regny, ary zôvy no nagnamia anao zany fahefagna zany?" 24Namaly Jesôsy aveo nivaolagna taminjare nagnanjao: "Hambilàko fagnontaniagna araiky faogna koa areo. Raha koragninareo aminaha, dia ho volagniky aminareo ny fahefagna agnanaovako regny raha regny.28Fao akôry ny hevitr'areo? Nisy lalahy araiky nanagna zanaka lalahy aroa. Nandaiha nagnagny amin'ny lehy voalaohany izy aveo nagnanjao: 'Zanaka, mandihiana miasa agny amin'ny tanim-boaloboko niany.' 29Lehy zanany lahy namaly azy nagnanjao: 'Tsy andaiha akagny zaho,' fao aveo niaova hevitry izy kay lôsogno. 30Avakeo nagnagny amin'ny lehy faharoa izy ary nivaolagna tôrotro zany faogna koa. Namaly izy kay nivaolagna nagnanjao: 'Handaiha agny zaho, tompoko,' naifa tsy nadaiha izy.33Tandrignaiso tô aohatra araiky hafa tô. Nisy lalahy araiky, tompony tany. Nagnano tanim-boaloboko izy, natany vala, nandavahany famiazagna t'agnatiny, nananganany tilikambo, aveo nampamondroany tamin'ny reo mpamboly voaloboko. Aviteo nagnagny amin'ny tanàgna hafa izy. 34Koa narikitry ny tagnom-pamokaragna, dia nagniraka sasany tamin'ny reo mpanompony izy hoagny amin'ny reo mpamboly voaloboko halaka vokatra nazy.35Fao nisambôrinjareo mpamboly voaloboko reo mpanompony, nibobohiny ny araiky, nivonony ny hafa, dia mbôla nitopiagna vato ny hafa. 36Avakeo mbôla, nandaifa mpanompony hafa indraiky lehy tômpon-tany, maro hotra ny tamin'ny voalaohany, fao natanjareo tôrotro zany faogna koa. 37Tafaran'ny zany, nagniraka zanany lahitaokagna tagny amin'ny reo ny tômpon-tany, nivaolagna nagnanjao: 'Hagnaja ny zanako zareo.'38Fao koafa nahita lehy zanaka lahy reo mpamboly voaloboko, dia nifampivaolagna zareo nagnanjao: 'Tô no mpandaova. Alôhy, ho vonontsika izy aveo hoalaintsika ny vaola.' 39Noho zany dia nisambôrin-jareo izy, natopy ta'gnatin'ny tanim-boalobko ary nivonogny.42Jesôsy nivaolagna tamin-jareo nagnanjao: "Tsy mbôla namaky Saoratra Masigny velively moa areo magnanjao: 'Ny vato nilavin'ny mpagnorin-tragno no natao vato fehizoro. Avy tamin'ny Tompo zany, aveo mahasondriagna eo masontsika'?43Noha zany koragniky aminareo, halàko aminareo ny fanjakan-Jagnahary aveo hatôlotro ny firenena zay mamokatra reo voany. 44Na zôvy na zôvy ho lavoan'ny io vato io dia ho potipotiky. Fao zay hilavoany ndraiky dia ho rôtorôto."Chapter 22
4Nandaifa reo mpanompony hafa indraiky mpanjaka, nagnanjao: 'Volagno reo zay nasaigny magnanjao: "Zahavo, afa nikarakaraiky ny hanigny. Afa nivonogny ny aomby ndraiky zanaka aomby tarimiky, ary afa paré raha jiaby. Avia ao amin'ny lagnonam-pampakaram-bady."'5Naifa tsy niraharaha zareo avakeo lôsogno nandaiha, ny araiky namonjy ny toairam-mpitarimiazany, ny hafa tamin'ny raharaham-barotrony.6 Reo sasany nanambotro reo mpanompon'ny mpanjaka, nagnala baraka azy zareo, ary namono azy zareo. 7Vingitry ny mpanjaka kay nagniraka reo miaramilany, ary namono mpamono ôlogno reo zareo, aveo nagnoro tanàgnany.8Avakeo nindesiny reo mpanompony izy nagnanjao: 'Afa paré ny fampakaram-bady, fao reo zay nantsôvigny no tsy mendriky. 9Noho zany mandihana akagny amin'ny sampan'arabe ary magnasào ôlogno maro zay hitanareo handaiha amin'ny lagnonam-pampakaram-bady.' 10Nandaiha niboaka tagny amin'ny arabe reo mpanompo ary namôro ny ôlogno jiaby zay hitanjareo, na ny tsara na ny ratsy. Noho zany dia feno vahiny lehy hefitragno gaida nisy fampakaram-bady.11Fao koafa niditry mpanjaka mbô hizaha reo vahiny, dia nahita lalahy tsy nisikigny lamba findesigny amin'ny fampakaram-bady izy.12 Nivaolagna taminazy ny mpanjaka nagnanjao: 'Ry sakaiza, nagnino no idiranao ato tsy miaraka amin'ny lamba findesigny amin'ny fampakaram-bady?' Fao tsy tafivaolagna lehy lalahy.18Naifa hain'i Jesôsy ny faharatsianjareo kay nivaolagna nagnanjao: "Nagnino mitsapa Zaho areo, ry mpiatsaravelatsihy? 19Aboaho Zaho ny farantsa amin'ny hetra." Avake nitondra denaria taminazy zareo.31Fao mahakasiky ny fitsanganan'ny maty, mbôla tsy nivakinare moa zay nikoragnin-Jagnahary taminareo, magnanjao: 32'Zaho no Zagnaharin'ny Abrahama, Zagnaharin'ny Isaka, avakeo Zagnaharin'i Jakoba'? Zagnahary dia tsy Zagnaharin'ny maty, fao nihin'ny velogno." 33Koafa naharegny zany reo vahoaka, dia sondriagna tamin'ny fampianarany.34Fao koafa regnin'ny reo Fariseo ny nampanginan'i Jesôsy ny Sadoseo, dia niaraka nivôndrogno zareo. 35Ny araiky taminjareo, mpahay lalàgna, namaitra-pagnontaniagna taminazy, nalaka fagnahy Azy nagnanjao: 36"Oa mpampianatra, ino no taigna gaida amin'ny didy aka amin'ny lalàgna?"37Nivaolagna taminazy Jesôsy nagnanjao: 'Tiavo amin'ny fônareo jiaby, amin'ny fagnahinareo jiaby, avakeo aminny saigninareo jiaby ny Tompo Zagnaharinareo.' 38Zany no didy gaida salakady voalaohany.39Aveo ny didy faharoa dia karaha zany faogna: 'Tiavo ny mpiara-belogno aminareo karaha haigninareo.'40 Amin'ny reo didy aroa reo no iankinan'ny lalàgna jiaby ndraiky reo mpagnazary."43Hoizy Jesôsy taminjareo nagnanjao: "Nagnino ary Davida mitoaitra ao amin'ny Fagnahy no magnantso Azy Tompo, magnanjao: 44'Ny Tompo nivaolagna tamin'ny Tompoko nagnanjao: "Midaoha amin'ny tagnako ankahery, mandra-pamonoako ny fahavalona ho fidaohan-tongontroa?'45Raha Davida aby magnantso Kristy: 'Tompo,' dia akôry no maha-zanaka'i Davida Azy?" 46Tsisy nahavalay Azy tamin'ny vaolagna, ary tsisy ôlogno nahasaky namaitra-pagnontaniagna hafa eky nanomboko tamin'ny zany andro zany.Chapter 23
8Fao areo tsy azo antsôvigny magnanjao: 'Raby,' fao araiky faogna ny mpampianatrareo, ary mpirahalahy areo jiaby. 9Ary aza magnantso ôlogno aketo an-tany ho iadanareo, fao araiky faogna Iadanareo, aveo Izy dia akagny an-dangitry. 10Areo aza magneky antsôvigny: 'Mpampianatra,' fa araiky avao no mpampianatrareo, dia i Kristy.16Lozanareo, ry mpitariky gila, areo zay mivaolagna magnanjao: 'Na zôvy na zôvy mifanta amin'ny tempoly, dia tsisy dikany zany. Fao na zôvy na zôvy mifanta amin'ny vaolamainan'ny tempoly, dia voatadin'ny fiainagna izy.'17 Areo ry gila laifaka! Zôvy no taigna gaida, ny vaolamaina sa ny tempoly zay magnano ny vaolamaina ho masigny?18Aveo, 'Na zôvy na zôvy mifanta amin'ny alitara, dia tsisy dikany zany. Fao na zôvy na zôvy mifanta amin'ny fagnatitry zay eo agnambony zany, dia voatady ny fiainany izy.' 19Areo ry ôlogno gila! Zôvy no taigna gaida, ny fagnatitry sa ny alitara zay magnano ny fagnatitry ho masigny?20Noho zany, zay mifanta amin'ny alitara, dia mifanta amin'ny zany ndraiky amin'ny raha jiaby akeo agnambony. 21Ny araiky zay mifanta amin'ny tempoly, dia mifanta amin'ny zany ndraiky amin'ny zay midôko aminazay,22 ary ny araiky zay mifanta amin'ny langitry, dia mifanta amin'ny dabilio fiandrianan-Jagnahary ndraiky aminy zay midôko agnambony zany.23Lozanareo, ry mpanora-dalàgna ndraiky Fariseo, mpiatsaravelatsihy! Fao magnaifa ny fahafôlon'ny solila ndraiky ny aneta aveo ny komina areo, fao areo tsy nankatô ny raharaha taigna mavaisan-danja amin'ny lalàgna dia ny rariny ndraiky ny famindram-pô avakeo ny finoagna. Fao reo no tôkony nitsabonareo ary tsy tôkony nambailanareo ho tsy vita ny araiky hafa. 24Areo ry mpitariky gila, areo zay misivagna ny langitry naifa miteligny ramaiva!27Loza hoanareo, ry mpanora-dalàgna ndraiky Fariseo, mpiatsaravelatsihy! Fao areo dia tôrotro fasagna voalalotro fôtsy; zay tsara ambailany, fao ny agnatiny ndraiky feno taolam-paty ndraiky loto jiaby. 28Hotra zany faogna koa, eto ambailany areo ho marigny eo amin'ny ôlogno, naifa ny akao agnatinareo feno fiatsarambelatsihy ndraiky heloko.29Loza hoanareo ry mpanora-dalàgna ndraiky Fariseo, mpiatsaravelatsihy! Fao magnorigny ny fasan'ny mpagnazary areo ary magnaingo fasan'ny ôlo-marigny. 30Hoizy are magnanjao: 'Raha niaigny tamin'ny andron'ny razambentsika atsika, dia tsy ho nalalaka anjara niaraka tamin-jareo tamin'ny fandatsahagna ny lin'ny mpagnazary atsika.' 31Noho zany dia mitsangagna atomoa amin'ny haigninareo areo fao zanaka reo zay namono ny mpagnazary.32Areo faogna koa nahafeno ny fahotagnany reo razambenareo. 33Areo ry mainapitsiko, areo ry tamingany ny mainapitsoko, akôry no hilifasanareo ny fagnamelaohagna hoagny amin'ny helo?34Noho zany, tô, magniraka mpagnazary ndraiky ôlon-kendry aveo mpanora-dalàgna hoaminareo Zaho. Ny sasany amin-jareo dia ho vononareo ndraiky hifantsaihanareo; aveo ny sasany ho bobohinareo ao amin'ny Synagoganareo ary handroaka azy hiala ao an-tanàgna. 35Ny vokatry zany dia hivaly aminareo ny li marigny jiaby zay nalatsaka teto an-tany, nanomboko tamin'ny lin'i Abela marigny, kay zisiky amin'ny lin'i Zakaria zanak'i Barakia, zay nivononareo teo agnailagnailan'ny fitoairagna masigny ndraiky Alitara. 36Koragniky marigny aminareo, fao ny raha jiaby dia ho tonga amin'ny tô taminga tô.37Oa Jerosalema, oa Jerosalema, anao zay mamono ny mpagnazary ndraiky manopy vato zay irahigny hoaminao! Impiry Zaho magniry ny hamôry zanaka miaraka, karaha ny akôho vavy araiky mamôry akôho madiniky ambany haimbany, naifa tsy nety areo! 38Tô, ny tragnonareo no ambaila ho lao hoanareo. 39Fao koragniky aminareo, zisiky amijeo, taigna tsy hahita Zaho areo mandra-pivolagnanareo magnanjao: 'Isaoragna zay avy amin'ny agnaran'ny Tompo."'Chapter 24
3Raha nidô t'an-tanetin'Oliva Izy, dia nagnatogno Azy mangingigny reo mpianany aveo nivaolagna nagnanjao: "Ambarao zahay, afiriagna reo raha jiaby reo no hoisy? Ino no famantaragna ny fahatongavanao ndraiky ny fara-andro?'' 4Namaly Jesôsy avakeo nivaolagna zareo nagnanjao: "Mitandraima mbô tsy hoisy hamitaka areo."5 Fao ho maro ny hoavy amin'ny Agnarako. Aveo hivaolagna zareo magnanjao: 'Zaho no Kristy,' ary maro no ho voafitaka.6Hahiregny ady ndraiky tatitry ady areo. Mitandraima mbô tsy himenimenigny areo, fao tsy maintsy hitranga zany raha jiaby zany; naifa tsy mbôla tonga ny farany. 7Fao hoisy firenena hitsangagna hanohitry firenena, ary fanjakagna hanohitry fanjakagna. Hisy silagno ndraiky horohoron-tany amin'ny toairagna samihafa. 8Naifa zany raha zany dia fiantombaohan'ny fanaintainan'ny fitirahagna faogna.15Noho zany, raha mahita ny fahavaitavaitagna ny fandravagna areo, zay nivolagnin'i Daniela mpagnazary, dia hitsangagna akeo amin'ny toairagna Masigny areo" (aoka ny mpamaky hahatakatra), 16"Aoka reo zay akagny Jodia hilaifa hoagny an-tanety, 17aoka zay antragno tsy hijôtso hangala raha avy ao antragno-nazy, 18avakeo aoka zay agny an-tsaha tsy himpôdy hangala ny lambany.23Fao raha misy ôlogno mivaolagna areo magnanjao: 'Tô, atoy lehy Kristy' na, 'aroy lehy Kristy' aza mino zany. 24Fao ny Kristy sandoko ndraiky ny mpagnazary sandoko dia hoavy aveo hagnaboaka famantaragna goalahy ndraiky raha mahagaga, mbô hamitaka, raha azo ata, ia fao na reo ôlom-boafidy aby. 25Tô, afa nikoragniky areo alaohan'ny fotoagna.26Noho zany, raha mivaolagna areo zareo magnanjao: 'Tô, akagny antanimaty izy', aza magnagny an-tanimaty. Na magnanjao: 'Tô, akagny agnaty hefitragno izy' aza mino.27 Fao tôrotro varatra zay mitsailatra avy akagny atignianagna kay mazava zisiky andraifagna, dia karaha zany ny fiavian'ny Zanak'Ôlogno.28 Na aiza na aiza misy biby maty, dia agny no hivorian'ny voltora.30Avakeo dia hiboaka egny amin'ny langitry ny famantaran'ny Zanak'Ôlogno, avakeo ny foko jiaby ambonin'ny tany hisaona. Hahita ny Zanak'Ôlogno tonga amin'ny zavogn'ny langitry miaraka amin'ny angôvo gaida Zareo. 31Handaifa reo anjely Izy miaraka amin'ny feo trompetra mafy, aveo hamômpogno ny ôlom-boafidy avy akagny amin'ny vazan-tany aifatra zareo, manomboko amin'ny faravôdilangitry kay zisiky amin'ny hafa.32Mianara lesogno avy amin'ny aviavy. Raha hainy fao matoy ny sampany avakeo magnaboaka ny raviny, dia hainareo fao marikitry ny fahavaratra. 33Tôrotro zany faogna koa, raha mahita zany raha jiaby zany areo, dia tôkony ho hainareo fao afa marikitry Izy, eo amin'ny reo varavaragna lasite.43Fao tadidio zao, raha hain'ny tômpon-tragno hoe amin'ny firy aligny no havian'ny mpangalatra, dia ho niambigny izy avakeo tsy nagnambaila tragnonazy ho vaky.44 Noho zany dia tsy maintsy mivôgnogno faogna koa areo, fao hoavy ny Zanak'Ôlogno amin'ny fotoagna tsy ampoizinareo.48Fao raha misy mpanompo ratsy mivaolagna ao am-pôny magnanjao: 'Aila ny tompoko', 49kay manomboko mamono reo mpanompo namany, ndraiky mihinagna aveo migiaka miaraka amin'ny reo mamolava; 50dia hoavy ny tompon'ny lehy mpanompo amin'ny fotoagna zay tsy ampoiziny amin'ny fotoagna zay tsy hainy. 51Dia ho bobobobohin'ny tompony izy aveo hatany hotra reo mpiatsaravelatsihy ny anjarany, zay hoisy ny fitomagniagna ndraiky ny fikotrohanify.Chapter 25
1Ny fanjakan'ny langitry dia ho karaha ny virijiny fôlo zay nangala ny jirony kay nandaiha nitratro tamin'ny mpampakatra. 2Laifaka ny dimy taminjareo fao ny dimy ndraiky misy fagnahy. 3Ary koafa nitondra reo jiro reo virijiny laifaka, dia tsy ninday soliky niaraka taminazy. 4Fao reo virijiny misy fagnahy ndraiky dia ninday fikajian-tsoliky niaraka tamin'ny jirony.7Aveo nihira reo virijiny jiaby kay nikarakara ny jirony. 8Hoizy reo laifaka tamin'ny reo misy fagnahy: "Mbô amiazo ampahany amin'ny soliky are zahay fao afa hofoaty ny jironay. 9Fao namaly reo misy fagnahy kay nivaolagna nagnanjao: "Tsaha tsy ampy nihinay ndraiky nihinareo, fao mandihiana ndraiky akagny amin'ny reo mpivarotro kay mividiana ho nihinareo."17Karaha zany koa lehy araiky zay nangala talainta arao nahazo aroa hafa. 18Fao lehy mpanompo araiky zay nahazo talainta araiky ndraiky, nandaiha kay nangady lavaka tamin'ny tany, aveo nandevigny vaolan'ny tompony.24Avakeo lehy mpanompo zay nalaka talainta araiky nagnatogno salakady nivaolagna nagnanjao: "Tompoko, haiky fao lalahy matotro anao. Mijianja egny amin'ny zay tsy namafazanao anao, sady mamôry vokatra egny amin'ny zay tsy navolinao. 25Ambory zaho, kay nandaiha aveo namôny talaintanao t'agnaty tany. Zahavo, tô zay nihinao."28Noho zany alaivo akagny aminazy ny talainta aveo amiazo ho nihin'ny lehy mpanompo zay managna talainta fôlo.29 Fao zay jiaby managna hamiagna maromaro mihoatra lavitry aby. Fao aminjareo zay tsy managna na ino na ino ndraiky, na zay hanagnany aby dia halagna aminazy. 30Ariao akagny amin'ny mahizigny akagny ambailany ny mpanompo tsy mendriky, agny no misy fitomoagniagna ndraiky fikitroha-nify.41Aveo izy hivaolagna amin'ny reo zay ankaviany magnanjao: 'Milào aminaha, areo zay voahôzogno, hoagny amin'ny môtro mirehitry bariky dintany zay afa voahomagna hoan'ny devoly ndraiky reo anjeliny, 42satria tihinagna Zaho, fao tsy namianareo hanigny; tihigiaka Zaho, fao tsy namianareo higiahigny; 43nivahiny Zaho, fao tsy nampandrosonareo; nitanjaka Zaho, naifa tsy nampitafinareo; narary ndraiky t'an-gadra Zaho, fao tsy nikarikarainareo.'
Chapter 26
1Koafa vitan'i Jesôsy zany koragna jiaby zany, dia nivaolagna tamin'ny reo mpianany Izy nagnanjao: 2"Hainareo fao afaka aroa andro ho tonga Paska, aveo hatôlotro hifantsaihagna amin'ny kakazofijaliagna ny Zanak'Ôlogno.''3Avakeo ny lehiben'ny mpisôrogno ndraiky ny sojabe niaraka nivôry tamin'ny lapan'ny mpisôrogno-be, zay nantsôvigny Kaiafa. 4Niaraka nagnano tetiky zareo mbô hanambaoragna mangigny Jesôsy ary hamono Azy. 5Fao hoizy zareo nagnanjao: "Tsy amin'ny fety, mbô tsy hisian'ny korontagna eo amin'ôlogno."10Fao Jesôsy, nahay zany, nivaolagna taminjareo nagnajao: "Nagnino areo manahiran-tsaigny aminy ravehivavy? Fao raha tsara nitsabony taminaha. 11Eo aminareo lalandava ny mijaly, fao Zaho tsy ho eo aminareo lalandava.12Fao koafa nandraraka mainaka mangitry zany tamin'ny haigniky izy, dia nitsabony hoan'ny fandivaignagna Zaho. 13Koragniky marigny aminareo, na aiza na aiza hitoriagna vava maharavo aketo amin'ny zao tontolo jiaby zao, zay nitsabon'ny tô vaiavy tô ho koragnigny fao koa ho fahatsaoraovagna azy."14Aveo araiky tamin'ny reo aroa ambiny fôlo, zay nantsôvigny Jodasy Iskariota, nagnagny amin'ny lehiben'ny mpisôrogno 15ary nagnanjao: "Amianareo hoatrino zaho hanolaorako Azy aminareo?" Nandanja vaolafôtsy madiniky telopôlo zareo ho nihinazy. 16Tamin'ny zany fotoagna zany nitady fahafahagna izy mbô hanolaoragna Azy aminjareo.17Tamin'ny andro voalaohany môfo tsisy lalivay dia nagnatogno Jesôsy reo mpianatra kay nivaolagna nagnajao: "Aiza no tianao hagnomanagna hoanao hihinanagna hanigny paska?" 18Namaly Izy nagnanjao: "Midira ao an-tanagna misy lalahy araiky avakeo volagno izy: 'Hoizy mpampianatra: "Afa marikitry ny fotoagna. Ato an-tragnonao Zaho hagnano ny paska miaraka amin'ny reo mpianatra naha.''''' 19Natan'ny reo mpianatra tôrotro zay nikoragnin'i Jesôsy zany, aveo nagnomagna hanignin'ny paska zareo.23Namaly Izy nagnanjao: "Zay niaraka nanjôbo tagnagna taminaha tagnaty lovia no lehy araiky hamadiky Zaho. 24Handaiha ny Zanak'Ôlogno, araka zay afa voasaoratra mahakasiky Azy. Naifa lozan'ny ôlogno zay hamadiky Zanak'Ôlogno! Taigna tsara amin'ny zany ôlogno zany no tsy tairaka aby." 25Jodasy, zay hamadiky Azy nivaolagna nagnanjao: "Zaho moa zany, Raby o?" Hoizy Izy taminazy: "Voalazanao."30Koafa nihira hira fidairagna zareo, dia nandaiha tagny amin'ny tanetin'i Oliva. 31Aveo hoizy Jesôsy taminjareo: "Areo jiaby hiala Zaho nohon'ny aminaha niany haligny, fao voasaoratra magnanjao: 'Hamely ny mpiambigny ondry Zaho dia hiparitaka ny ondry'. 32Fao afaran'ny fitsanganako amin'ny maty, dia hialaoha areo akagny Galilia."36Aveo Jesôsy nandaiha niaraka taminjareo nagnagny amin'ny toairagna antsôvigny Getsemane avakeo nivaolagna tamin'ny mpianany nagnanjao: "Midaoha aketo raha mbôla handaiha aroy hivavaka Zaho." 37Nitondra Petera ndraiky zanak'i Zebedio aroa lahy Izy aveo nanomboko nalahelo ndraiky ory. 38Avakeo hoizy Izy taminjareo: "Fadiranovana ny fagnahiko, hotra ny afa hofoaty. Midaoha aketo aveo miambaisa miaraka aminaha."39Niala hely Izy, niankaohaka avakeo nivavaka. Hoizy Izy nagnanjao: ''Oa Iadako, raha azo atao, aoka alanao aminaha tô kapoaka tô. Naifa aoka tsy araky ny sitraka fôko, fao ny sitraka fônao." 40Nagnatogno reo mpianatra Izy aveo nahita zareo resin-tory, kay hoizy Izy tamin'i Petera nagnanjao: "Ino, tsy mahavita miambigny miaraka aminaha na dia fotoagna araiky aby moa areo?41 Miambaisa aveo mivavaha mbô tsy hoazon'ny fakam-pagnahy areo. Mety faogna ny fagnahy, fao ny nôfo no malemy."42Mbôla nandaiha fagnindrony Izy aveo nivavaka. Hoizy Izy: "Oa Iadako, raha tsy azo alàgna aminaha tô raha tsy maintsy zakaiko, dia ho tsabogny ny sitraka fônao."43 Nimpôdy indraiky Izy aveo mbôla nahita zareo nandry, fao navaisatra masonjareo. 44Kay niala zareo ndraiky Izy, lôsogno aveo nivavaka fagnintelony, nivaolagna reo koragna reo faogna.45Avakeo Jesôsy nagnatogno reo mpianatra kay nagnano taminjareo nagnanjao: "Mbôla mandry ndraiky miala sasatra moa areo? Zahavo, afa marikitry ny fotoagna, avakeo ny Zanak'Ôlogno hatôlotro an-tagnan'ny reo mpanota.46 Mitsangàna, andaiha atsika. Zahavo, afa marikitry lehy hamadiky Zaho."55Tamin'ny zany andro zany Jesôsy nivaolagna tamin'ny vahoaka nagnanjao: "Havy miaraka amin'ny meso ndraiky kobay hanambotro Zaho hotra dahalo moa areo? Isan'andro nidôko nampianatra teo amin'ny tempoly Zaho, fao tsy nisambôrinareo. 56Fao zany jiaby zany niboaka mbô hahatantairaka zay voasaoratry reo mpagnazary." Aveo niala Azy reo mpianatra jiaby kay nilaifa.59Ary reo lehiben'ny mpisôrogno ndraiky reo Synedrioa jiaby dia nitady fiampangagna tsy marigny manohitry Jesôsy, mbô mety ahafahan-jareo mamono Azy. 60Tsy nahita na ino na ino zareo, na dia nisy mpitsangagna antomoa maro tsy marigny havy aby teo. Ary avakeo nisy aroa havy nagnatogno teo 61aveo nivaolagna nagnanjao: "Io lalahy io nivaolagna nagnanjao: 'Afaka mandravagna tempolin-Jagnahary Zaho aveo manangagna zany indraiky afaka telo andro."'62Nitsangagna lehy mpisôrognobe kay nagnano taminazy nagnanjao: "Tsy managna havaly moa Anao? Ino zany hiampanganjareo Anao zany?" 63Fao nangigny Jesôsy. Hoizy ny mpisôrognobe taminazy: "Magniraka Anao amin'ny alalan-Jagnahary velogno zaho, koragno aminay raha Anao no Kristy, Zanaka Zagnahary." 64Jesôsy namaly azy: "Volazanao. Fao koragniky aminareo, manomboko zao dia ho hitanareo ny Zanak'Ôlogno hidôko an-tagnagna an-kaherin'ny Angôvo, ary ho tonga eo amin'ny zavogno ny langitry."65Aveo ny mpisôrognobe nangnatriaka ankajony ary nivaolagna nagnanjao: "Nivaolagna ratsy Izy! Nagnino atsika mbôla mila mpitsangagna antomoa? Tô, regninareo ny fivolagnan-dratsy zao. 66Ino no hevitrareo?" Namaly zareo nagnanjao: "Magnaiva ho foaty Izy."67Avakeo zareo nandrora ny haigniny ndraiky namboko Azy, ary namely taifamaso Azy, 68aveo nagnanjao: "Maminania aminay, ry Kristy. Zôvy namboko Anao?"73Koafa afaka helihely nagnatogno reo zay nitsangagna teo avakeo nivaolagna tamin'i Petera nagnanjao: "Anao faogna koa taigna araiky amin'ny izy regny, fao ny fomba fivolagnagnao magnambara anao." 74Aveo izy nanomboko nagnôzogno ndraiky nifanta kay nagnanjao: "Tsy haiky zany lalahy zany." Ary samby teo nagneno akôho. 75Tsaroan'i Petera koragna nambaran'i Jesôsy nagnanjao: "Mbôla tsy magneno akôho dia hadao Zaho intelo anao." Avakeo izy niboaka ary taigna nitomoagny.Chapter 27
1Ary koafa tonga marandraigny, nikasa hanohitry Jesôsy mbô hamono Azy reo lehiben'ny mpisôrogno ndraiky ny sojabe jiaby. 2Zareo nanady Azy, nitariky Azy tagny ambailany, aveo nanôlotro Azy tamin'i Pilato governora.3Ary Jodasy, lehy namadiky Azy, koafa nahita fao voaheloko Jesôsy, dia nibaibaka izy ary nagnampôdy reo vaolafôtsy telopôlo tamin'ny reo lehiben'ny mpisôrogno ndraiky reo sojabe, 4avakeo nivaolagna nagnanjao: "Nanota zaho tamin'ny namadihako lio tsy manan-tsigny.'' Fao zareo nivaolagna: "Ahoanay ino? Anao zany." 5Dia natopiny tan-tempoly reo vaolafôtsy, aveo nandaiha niboaka ary nagnantontaigna izy.9Aveo tantairaka zay vaovaolagna tamin'ny mpagnazary Jeremia, magnanjao: "Nalaka vaolafôtsy telopôlo zareo, vidiny namantsaihan'ny reo vahoakan' Israely Azy, 10ary zareo nagnamia zany amin'ny sahan'ny mpitsabo vilagny tanimanga, araka ny natoron'ny Tompo zaho."11Avakeo Jesôsy nitsangagna tagnatraihan'ny governora, aveo governora nagnontany Azy nagnanjao: ''Anao moa mpanjakan'ny Jiosy?" Jesôsy namaly azy: "Volazanao." 12Fao koafa nampangaigny reo lehiben'ny mpisôrogno ndraiky reo sojabe Izy, tsy namaly na ino na ino. 13Dia nivaolagna taminazy Pilato nagnanjao: "Tsy regninao moa fampangagna jiaby atao aminao?" 14Fao tsy namaly na dia vaolagna araiky aby Izy, gaga tatô be noho zany ny governora.15Aveo isaka firavoravoagna dia fomban'ny governora mamôtsotro gadra araiky voafidin'ny vahoaka. 16Tamin'io fotoagna io, nanagna gadra malaza ratsy antsôvigny hoe Barabasy zareo.23Dia hoizy izy: Nagnino, ino no heloko nitsabony?" Fao nahay nangaiky mafy zareo nagnanjao: "Fantsiho amin'ny kakazofijaliagna Izy." 24Fao koafa hitan'i Pilato fao tsy afaka hagnano na ino na ino izy, kanaifa afa nanomboko ny tabataba, dia nalaka rano izy, nanasa tagnany tagnatraihany vahoaka, aveo nagnanjao: "Tsy manan-tsigny amin'ny lin'ny tô lalahy tsy manantsigny tô zaho. Fao asanareo zany."25Reo ôlogno jiaby nivaolagna nagnanjao: "Ho aminay ndraiky zanakay ny linazy." 26Dia nalaifany amin-jareo Barabasy, fao namboko karavasy Jesôsy izy ary nanôlotro Azy ho fantsihagna.30Nandroroan-jareo Izy, avakeo nalainjareo tongôzo dia namboko Azy mazanjagna tamin'ny laohany. 31Koafa avy nandatsa Azy zareo, dia nalaka ankanjo lavany ary nampisikigny Azy ny fitafiany, aveo nitondra Azy niboaka mbô hamantsiky Azy amin'ny kakazofijaliagna32Koafa niboaka zareo, nahita lalahy araiky avy akagny Syrena antsôvigny Simona, zay nirahinjareo hiaraka aminjareo mbô hampilanjaigny ny kakazofijaliany. 33Nagnagny amin'ny toairagna antsôvigny Golgota zareo, zay midika "Toairan'ny Karandaoha." 34Namianjareo divay mifangaro amin'ny afero Izy mbô ho giahiny. Fao koafa nandramany, dia tsy nigiaka Izy.35Koafa nifantsihanjareo tamin'ny kakazofijaliagna Izy, dia natan-jareo loka ny fizaragna reo lambanazy, 36kay nipaitraka zareo aveo nijanogno niambigny Azy. 37T'ambonin'ny laohany no nampitahanjareo saoratra mivaolagna nagnamelaohagna Azy, zay mivaky magnanjao: "Tô Jesôsy, mpanjakan'ny Jiosy."43Natoky Zagnahary Izy, ambilao Zagnahary hagnavotro Azy zao, raha mankasitraka Azy Zagnahary. Fao na Izy aby nivaolagna nagnanjao: 'Zaho no Zanaka Zagnahary."' 44Karaha zany koa reo Jiolahy zay nifantsaihagna niaraka taminazy nivaolagna fanevataivagna taminazy faogna koa.48Samby teo dia nihazakazaka ny araiky tamin'ny reo aveo nalaka sponjy, namiaka zany tamin'ny vinaigitra, nagnapaitraka zany tamin'ny tohitohigny bararaty, ary nagnamia zany Azy mbô ho giahiny. 49Ny sasany taminjareo nivaolagna: "Ambilao Izy. Hitantsika eo raha ho avy hagnavotro Azy Elia."50 Dia nangaiky mafy indraiky Jesôsy avakeo nanôlotro fagnahiny.51Tô, ny lamban'ny tempoly natriaka aroa rango ambony kay zisiky ambany, ary nihorohoro ny tany, avakeo vaky nisasaka reo vatolampy. 52Nisaokatra reo fasagna, ary ny fatin'ny reo ôlon-jagnahary maro zay nodimandry natsangagna. 53Zareo niboaka avy tamin'ny fasagna tafaran'ny fitsanganany tamin'ny maty, niditry ny tanàgna masigny, aveo niboaka tamin'ny maro.54Avakeo reo kapiteny ndraiky reo zay nizaha Jesôsy koafa nahita ny horohoron-tany ndraiky reo raha zay niboaka, dia nanjary ambory mafy aveo nagnanjao: "Zanaka Zagnahary marigny tô." 55Nisy vaiavy maro zay nagnaraka Jesôsy zisiky Galilia mbô hikarakara Azy teo nizaha avy lavitry. 56Tamin'izy reo Maria Magdalena, Maria renin'i Jakoba ndraiky Josefa, aveo renin'ny reo zanakalahin'i Zebedio.59Nalaka ny faty Josefa, namôgno tamin'ny lamba rongony madio, 60avakeo nampandry azy tamin'ny fasany vava zay nilavahany tamin'ny vatolampy. Dia nanakodia vato gaida hamodiagna varavaran'ny fasagna izy aveo niboaka. 61Maria Magdalena ndraiky reo Maria hafa teo, nidôko tanilany fasagna.62Ny andro magnaraka, zay andro afaran'ny fagnomanagna, dia niara-nivôry tamin'i Pilato reo lehiben'ny mpisôrogno ndraiky reo Fariseo. 63Hoizy zareo nagnanjao: "Tompoko, tsaroanay fao tamin'ny mbôla velogno igny mpamitaka igny, dia hoizy Izy: 'Afarany telo andro, hitsangagna indraiky Zaho.' 64Kay noho zany, magniraha mbô ho iambaisagna ny fasagna zisiky amin'ny andro fahatelo, raha tsy zany reo mpianany mety hoavy avakeo hangalatra Azy dia hivaolagna hagnanjao: 'Nitsangagna tamin'ny maty Izy,' aveo ny fitaka farany dia ho ratsy noho lehy tamin'ny voalaohany.''65Hoizy Pilato taminjareo: "Mangalao mpiambigny. Mandihiana avakeo ambaiso tsara araka zay vitanareo zany.'' 66Dia nandaiha zareo ary niambigny fasagna, nagnisy tombo-kase ny vato aveo namaitraka ny mpiambigny.Chapter 28
1Ary tamin'ny aligny Sabata, raha vo nanomboko mahizingizigny andro voalaohany amin'ny herigniandro, dia lôsogno nandaiha nizaha fasagna Maria Magdalena ndraiky lehy Maria araiky hafa. 2Tô, nisy horohoron-tany be, fao ny anjelin'ny Tompo no nijôtso avy akagny an-dangitry, havy avakeo nagnateky vato kay nipaitraka tamboniny.3Ny bikany karaha sinkailatra, aveo ny ankanjony fôtsy karaha vontro.4Ambory reo mpiambigny kay nanjary hotra ny lalahy maty.5Nikoragna tamin'ny reo vaiavy lehy anjely aveo nivaolagna taminjareo nagnanjao: "Aza ambory, haiky fao mitady Jesôsy areo, lehy nifantsaihagna tamin'ny kakazo fijaliagna. 6Tsy akato Izy, fao afa nitsangagna, araka ny afa nikoragniny. Avia zahavo toairagna zay nandrian'ny Tompo. 7Mandihiana malaky ary volagno reo mpianany magnanjao: 'Nitsangagna tamin'ny maty Izy. Tô, afa nandaiha nialaoha areo akagny Galilia Izy. Agny no hahaitavanareo Azy.' Tô, afa nambarako taminareo."8Niala nalaky ny fasagna tamin'ny hamboriagna ndraiky tamin'ny haravoagna gaida reo vaiavy, ave nilomoay mbô hivaolagna reo mpianany. 9Tô, nitratro taminjareo Jesôsy avakeo nivaolagna nagnanjao: "Arahaba!" Nagnatogno reo vaiavy, nitagna hongony aveo nidaira Azy. 10Avakeo Jesôsy nivaolagna taminjareo nagnanjao: "Aza ambory. Mandihiana mivaolagna amin'ny reo rahalahiko mbô hiala kay handaiha Galilia. Agny no hahitavan-jareo Zaho.''11Avakeo raha mbôla nadaiha reo vaiavy, tô, ny sasany taminjareo mpiambigny nagnagny antanam-be aveo nivaolagna tamin'ny laohan'ny mpisôrogno ny raha jiaby zay niboaka. 12Koafa nitratro tamin'ny reo sojabe ny mpisôrogno aveo nikoragna mahakasiky ny olagna tamin-jareo, dia nagnamia vaola fôntry reo miaramila zareo 13ary nivaolagna zareo: "Volagno amin'ny reo hafa magnanjao: 'Havy tamin'ny andro aligny reo mpianatr'i Jesôsy aveo nangalatra ny vatany raha mbôla nandry zahay.'14Raha tonga akagny amin'ny governora tatitra zany, dia handresy lahatra azy atsika aveo hangala ahiahy aminareo." 15Aveo nalain'ny miaramila ny vaola ary nagnano tôrotro zay afa nikoragniny taminjareo. Ary zany tatitry zany dia niparitaka tamin'ny reo Jiosy aveo mitôhy zisiky avaizo aby.16Fao nagnagny Galilia reo mpianatra araiky ambin'ny fôlo, tagny amin'ny tanety zay afa nivolagniny Jesôsy taminjareo. 17Koafa nahita Azy zareo, dia nidaira Azy, fao ny sasany ndraiky niahiahy.
Mark
Chapter 1
1Tô ny niantomboahan'ny vaovao maharavoravon'i Jesôsy Kristy, lehy Zanaka Zagnahary. 2Araka zay voasaoratra akao amin'Isaia mpagnazary hoe : " tô, Zaho magniraka irakanaha handaiha alohaka Anao, lehy araiky hagnajary lalagnanao. 3Misy feo regny magnantso mafy agny antany maty hoe: " atôvo vôgnogno lalagna Tompo; atôvo mahitsy lalagna himboany.''4Avy Jaona, nagnano batisa tagny antany maty avakeo nagnambara ny batisan'ny fifônagna ho amin'ny famotsora-keloka nohon'ny fahadisoagna. 5Ny tanin'ny Jodia jiaby ndraiky mponigny jiaby ao Jerosalema dia avy nagnatogno azy. Natany batisa tao amin'ny matsabôrin'ny jordana zareo, koafa nagneky ny fahadisoany. 6Jaona dia nisikigny lamba volomparasy avakeo nagnano fehimbôko hôditry tagnandilany, aveo mendry ndraiky antely no nihoaniny.7Nivaolagna izy hoe: " Misy araiky hoavy fagnaraka zaho lehy mafy mihoatra zaho, aveo tsy magnaiva zaho na dia hamaha tadinkirarony aby. 8Zaho nagnano batisa areo tamin'ny rano, fao Izy ndraiky hagnano batisa areo amin'ny Fagnahy Masigny.''9Tamin'ny reo andro navian'i Jesôsy avy agny Nazareta tao Galilia no niboaka zany, avakeo natan'i Jaona batisa tamin'ny matsabôrin'ny Jordana Izy. 10Koafa niboaka tamin'ny rano Jesosy, dia hitany nisaokatra ny langitry aveo nijôtso taminazy mitôvy amin'ny pizigny ny Fagnahy. 11Aveo nisy feo avy tagny andangitry nagnano hoe: "Anao no Zanako tiako. Anao no foky."12Avakeo dia nitahômin'ny Fagnahy handaiha agny an-tanimaty Jesôsy. 13Efapôlo andro Izy tagny an-tany maty, nalain'ny masantôko totry. Nipaitraka niaraka tamin'ny bibidia Izy, aveo nanompo Azy reo anjely.14Koafa voasambotra Jaona, dia avy tao Galilia Jesôsy nagnambara ny vaovao maharavon-Jagnahary, 15avakeo nivaolagna hoe: "Afa avy ny fotoagna, aveo afa marikitry ny fanjakagnan-Jagnahary. Mifonào dia mankatoava ny vaovao maharavo."16Koafa nandaiha tagny nagnôlotro matsabôrin'i Galilia Izy, dia nahita an'i Simona ndraiky Andrea rahalahin'i Simona nagnarato, satria mpagnarato zareo. 17Nivoalagna Jesôsy tamin-jareo : "Avià, magnaraha Zaho, fao ataoko mpagnarato ôlogno areo.'' 18Samby teo dia nagnambaila harato zareo kay nagnaraka Azy.19Koafa nandaiha lavidavitry Jesôsy, dia nahita an'i Jakoba zanaka Zebedio ndraiky Jaona rahalahiny; tagnaty lakagna nagnamboatra ny harato. 20Nagnantso zareo Izy ka dia nilahaosany tagnaty lakagna samy teo Zebedio babany niaraka tamin-jareo mpikarama, kay nizôhy Azy zareo.21Avakeo dia homby tagny kapernaomy zareo, ary tamin'ny andro Sabata, dia nitsôfotro tamin'ny synagoga Jesôsy ary nampianatra. 22Variagna tamin'ny fampianarany zareo, satria nampianatra zareo mitôvy amin'ny ôlogno managna fahefagna Izy fao tsy karaha reo mpanaoratra lalàgna.23Aveo nisy lalahy araiky tamin'ny sinagogan-jareo zay nanagna fagnahy ratsy nangaiky mafy, 24nagnano hoe: " Ino moa hifandraisanay aminao, ry Jesôsy avy akagny Nazareta? Avy hagnapotiky zahay moa Anao? Haiko hoe zôvy anao. Anao lehy Masin-Jagnahary!" 25Nivaolagna mafy ny masantôko Jesôsy kay nagnano hoe: " Mangina aveo mialao aminazy!" 26Ary ny fagnahy ratsy nandavo azy ndraiky niboaka taminazy kay nagnantso tamin'ny feo mafy.27Gaga ny ôlogno jiaby, kay nifagnontany zareo hoe: '' Ino tô? Fampianaragna vaovao misy fahefagna? Bikony na dia fagnahy ratsy aby aveo magneky Azy zareo!'' 28Ny vaovao mahakasiky Azy dia nipariaka tany jiaby tagny tamin'ny faritry Galilia jiaby.29Koafa avy niboaka ny synagoga, dia homby tantragnon'i Simona ndraiky Andrea zareo, niarak tamin'i Jakoba ndraiky Jaona. 30Ary ny rafozam-bavin'i Simona nandry nararin'ny tazo, kay nivolagnin-jareo tamin'i Jesôsy ny mahakasiky azy. 31Dia nagnatogno Izy, kay nanambotro azy tamin'ny tagnany, aveo nagnako azy; dia niala ny tazony, ary nanomboko nanompo Azy zareo.32Tamin'io aligny io, tafaran'ny maty masaova, dia nihentin-jareo tamin'Azy lehy marary jiaby na misy masantôko. 33Tafivory niaraka teo am-baravaragna ny tao antanagna jiaby. 34Nampahivagna ôlogno fôntry lehy nararin' ny aretigny maro isan-karazany Izy ary nandroaka masantôko maro, fao tsy nambailany hivaolagna reo masantôko satria nahay Azy zareo.35Nonjonkiaka Izy, tamin'ny andro mbôla mahizigny; niala teo Izy kay nandaiha tagny amin'ny toeragna mitokagna ary teo Izy no nivavaka. 36Nizaha Azy Simona ndraiky lehy niaraka taminazy. 37Nahita Azy zareo ary nivolagna hoe: " Mizaha Anao ny ôlogno jiaby."38Nivaolagna Izy hoe : "Alôhy atsika handaiha amin'ny toairagna hafa, agny ambailany ao amin'ny reo tanàgna magnodidigny, mbô ahavitako mitory teny agny koa. Fa zany no antony niboahako tatô." 39Dia nitety an'i Galilia jiaby Izy, nitory teny tao amin'ny synagogan-jareo salakady nandroaka masantôko maro.40Nisy boka araiky avy Taminazy. Nitalaho Taminazy izy; nandongoalitry teo Aminy aveo nivaolagna taminazy hoe: "Izy koa mety Aminao, dia afaka magnadio zaho Anao." 41Naforaigny azy Izy, dia namavatra ny tagnany Jesôsy ary nikasiky azy, nivaolagna taminazy hoe: "Mety. Madiova anao." 42Niala taminazy samby teo ny habokagna,ary nadio izy.43Nampitandrigny mafy azy Jesôsy aveo nagnandaifa azy. 44Nivaolagna Izy taminy hoe: "Tandremo tsy hivaolagna na ino na ino amin-jôvy na amin-jôvy anao, fao mandihiana, amboaho amin'ny mpisôrogno ny taignanao, aveo magnanaova fagnatitry nohon'ny fagnadiovagna anao araka ny nandidian'i Mosesy, mbô ho fijoroagna vavolombelogno amin-jareo."45Fao niboaka izy ary nanomboko nagnambara tamin'ôlogno jiaby ndraiky nagnapariaka loatra ny volagna kay tsy afaka nitsôfotro an-kalalahagna tagny amin'ny tanàgna jiaby eky Jesôsy. Kay nipaitraka tagny ambailany amin'ny toairagna mitaokagna Izy avakeo nagnatogno Azy ny ôlogno avy amin'ny toairagna jiaby.
Chapter 2
1Koafa nimpôdy tao Kapernaomy Izy afaka andro vitsivitsy, dia regny fa tan-tragno Izy. 2tatôboe ny ôlogno nitangôrogno teo kay tsisy toeragna eky, nambaha antamiagna aby. Aveo nagnambara ny teny tamin-jareo Jesôsy.3nisy lalahy fôntrifôntry nagnatogno Azy zay nitonga lalahy malemy araiky; lehy nilanjain'ôlogno aifa-dahy. 4koafa tsy afaka nagnatogno Azy marikitry zareo hazony hafontrirany vahoaka, dia nalan-jareo ny tafontragno lehy teo ambonin'i Jesôsy, izy Koafa voasôratra zareo, dia najôtsonjareo ny fandriagna lehy nandriany lalahy malemy.5koafa nahita ny finoagnan-jareo, dia nivaolagna Jesôsy tamin'ny lalahy malemy hoe: "Zanako, voavaila ny helokoa." 6Aviteo nisy sasany tamin-jareo mpanoratra lalàgna nibidôko teo, kay nignomognomogno tamin'ny fôny zareo hoe: 7no afahan'io lalahy io mivaolagna karaha zany? Mivaolan-dratsy izy! Tsy zagnahary araiky faogna moa afaka magnambaila heloka?"8Fao Jesôsy tonga dia nahay tamin'ny fagnahianazy ny raha niminiminen-jareo. kay nivaolagna Izy tamin-jareo hoe: "Nagnino moa areo mieritreritry raha magnan-jany akao am-pônareo?9Ino moa môramôra mivaolagna amin'ny lehy lalahy malemy hoe: ' voavaila ny helokoa' sa ny hoe: 'Mitsangàna, batay fandriagnanao, avakeo mandiana'?10Fao mbô hahaizanareo fa managna fahefagna hamôtsotro heloka eto an-tany ny zanak'ôlogno, "Nivaolagna izy tamin'ny lehy malemy hoe:11"Volagniky aminao, mitsangàna, batay fandriagnanao, avakeo mandiana agny an-tragnonao." 12Aviteo nitsangàna izy kay nibata ny fandriagnanazy, aveo niboaka lehy tragno manoloagna zareo jiaby teo, kay gaga zareo jiaby ka nagnomia vogninahitra Zagnahary, aviteo nivaolagna zareo hoe: "Tsy mbaola nahita raha karaha tô zahay.13Aveo niboaka teo magnôlo-dranomasigny koa Izy, avakeo nagnantogno azy aby vahoaka jiaby, kay nanàriny zareo.14Izy kaofa nandalo Izy, dia nahita an'i Levy zanak'Alfeo nibidôko teo amin'ny toairagna famoriagna haitra kay nivaolagna Izy taminazy hoe : "Magnaraha zaha." Aviteo nitsangagna izy ka nizôho Azy.15Nihinagna tao an-tragnon'i Levy Jesôsy aveo mpamôry haitra sindraiky ôlogno mpanota fôntry no niaraka nihinagna taminazy sy reo mpianany, fao fôntry zareo tao aveo nangaraka Azy.16Ary reo mpanôratra lalàna, zay Fariseho, izy koafa nahita Jesôsy niaraka nihinagna tamin-jareo mpanota sindraiky reo mpamôry haitra, dia nagnontany ny mpianany hoe: "Nagnino moa Izy miaraka mihinagna amin'ologno mpamôry haitra sindraiky ôlogno mpanota?"17Izy koa fa regniny Jesôsy zany dia nivaolagna Izy tamin-jareo hoe: "Tsy ny salama no mila mpitsabo; fao ny marary faogna no mila zany.Tsy tonga hagnantso ôlogno marigny zaha fao ny mpagnano raha tsy manjary."18Ary nifady hanigny reo mpiantr'i Jaona sy reo Fariseho. Lalahy maromaro no nagnatogno Azy kay nivaolagna taminazy hoe: "Nagnino moa mpianatra Jaona sindraiky mpianatra reo Fariseho no mifady hanigny?" 19Dia nivaolagna Jesôsy tamin-jareo hoe: "Afaka mifady hanigny moa ny mpagnatriky ny tsaboraha izy koa mboala akeo ny mpampiakatra." Izy koa mbaola miaraka amin-jareo akeo ny mpampiakatra, dia tsy afaka mifady hanigny zareo.20Hoavy ny andro hagnalagna ny mpampiakatra akeo amin-jareo, kay amin-jany andro zany, no hifady hanigny zareo.21Tsisy mambada lamba kôro amin'ny lamba vaovao, koa tsy zany edy hiala aminy lehy tapa-damba, ny vaovao hiala amin'ny taloha, ary mahay ho ratsy fôgna ny fatriahany.22Ary tsisy ôlogno magnano divay vaovao akao agnatin'ny seho hoditry kôro, koa tsy zany dia ho triaka ny divay ny seho hoditra kay samby ho very aby na ny divay na ny seho hoditra. Fao naifa, divay vaovao atao akao agnatin'ny seho hoditry vaovao.23Tamin'ny andro Sabata Jesôsy nandaiha tagny amin'ny tanimbary maromaro, aveo nanomboka nitsogno salôhimbary ny mpianatranazy.24Nivaolagna reo Fariseho taminazy: "Zahavo, nagnino zareo no magnano raha tsy araka ny lalàgnan'ny andro Sabata?"25Nivaolagna Izy tamin-jareo: "Mbaola tsy novakinareo moa raha nitsabon'i Davida koafa tao agnatiny tsy fahampiagna sindraiky tihinagna izy_avakeo reo lalahy niaraka tamininazy_26nanakôry ny fomba nitsoforany tantragnon-jagnahary tamin'andron'i Abiatara mpisôronabe, kay nihinagna ny mofon'ny fagnantraihagna, zay tsy magnara-dalàgna na amin-jôvy na amin-jôvy ny mihinagn'azy afa tsy ny mpisôrogno, aveo mbaola nagnamiazany maromaro reo lehy niaraka taminazy?"27Jesôsy nivaolagna hoe: "Ny Sabata dia notsabogny ho an'ny zanak'ôlombelogno fao, zanak'ôlombelogno no ho an'ny Sabata. 28Noho zany, ny zanak'ôlogno no tômpo, na dia ny Sabata aza."
Chapter 3
1Dia nandaiha tao amin'ny Synagoga ndraiky Jesôsy ary nisy lalaha maty tagnagna tao.2Nizaha narikitry Aza ny ôlogno sasantsasany mbô hizaha raha hampahivagna azy amin'ny Sabata Izy mbô ahavitan-jareo magnameloko Azy.3Nivôlagna Jesôsy tamin'ny lehy lalaha maty tàgnagna hoe: "Mitsangàna avakeo mitsangana aketo agnivon'ôlogno jiaby aketo." 4Dia nivôlagna tamin'ôlogno Izy hoe: "Ara-dalàgna moa ny mitsabo raha tsara amin'ny andro Sabata sa ny magnano ratsy; ny magnavotro aigny, sa ny mamono?" Kanaifa zareo tsy tafivôlagna.5Nizaha zareo tamin'ny havigniragna Jesôsy, avakeo nalahelo Izy nohon'ny hamafisan'ny fôn-jareo, dia nivôlagna tamin’ny lehy lalaha Izy hoe: "Vavaro ny tagnagnao." Dia nivavarany lehy lalaha ny tagnany kay nahivagna. 6Niboaka reo fariseo avakeo nivôrivôry malaky niaraka tamin'ny Herodiana hizaha fomba hamonoagna Azy.7Avakeo Jesôsy, niaraka tamin'ny reo mpianany, nandaiha an-dranomasigny, ary nisy vahoaka fôntry nagnaraka avy agny Galilia sindraiky avy akagny Jodia 8avakeo avy akagny Jerosalema sindraiky avy akagny Edoma ary baroko amin'ny matsabôrin'i Jordana sindraiky magnodidigny Tyra ndraiky Sidona. Koafa naharegny mikasiky reo raha nitsabony zareo, dia nisy vaoaka fôntry nandaiha taminazy.9Dia nampizaha lakagna ny mpianany Jesôsy hamiagna Azy nohon'ny hafôntriran' ôlogno teo, mbô tsy hifanosihan'ny ôlogno Izy.10Nohony Izy nangasitragn'ôlgno fôntry Izy, dia nifandrômbo nagnatogno Azy ny ôlogno jiaby lehy nanagna aretigny mbô hikasiky Azy.11Atsika ny nahita Azy reo fagnahy ratsy, dia nondriky teo alohany avakeo niafatrafatra, ary nivôlagna zareo hoe: "Anao no zanaka Zagnahary." 12Nivolagniny mafy zareo mbô tsy hagnambara Azy.13Niakatra tagny an-tampon-tanety Izy, ary nagnantso ireo lehy tiany, dia nagnatogno azy zareo. 14Nagniraka reo roa ambinifôlo Izy (lehy nantsôviny hoe Apostôly), mbô hahavitan-jareo miaraka aminazy avakeo hahavitany magnandaifa zareo magnambara ny hafatra, 15aveo hanagna fahefagna handroaka masantôko. 16Avakeo koa nagniraka reo roa ambinifôlo Izy: Simona, lehy namiany agnaragna hoe Petera;17Jakoba zanak'i Zebedio, ndraiky Jaona rahalahiny, lehy namiany agnaragna hoe Boanarijesy, lehy midika hoe, zana-baratra; 18ary Andrea, Filipo, Baritolomeo, Matio, Tomasy, Jakoba zanak'i Alfeo, Tadeo, Simona Zelota,19 avakeo Jodasy Iskariota, lehy hamadiky Azy.20Dia nôdy tagny an-tragno Izy, avakeo niaraka homby indraiky ny vahoaka, naifa tsy afaka nihinagna aby zareo, 21koafa naharegny raha mikasiky zany ny fianakaviagna, dia niboaka zareo hangala Azy, satria nivôlagnin-jareo hoe: "Laifaka Izy." 22Avakeo reo mpanoratra lalàgna lehy nijôtso avy tagny Jerosalama dia nivôlagna fao: "Pitrahan'i Belzeboba Izy", kay, "Amin'ny alalan'ny mpanapaka ny masantôko no androahany ny masantôko."23Dia nantsôvin’i Jesôsy hagnatogno Azy zareo kay nivôlagna zareo tamin'ny alalan'ny fagnoharagna hoe: "Magnankôry moa hahavitan'i Masantôko magnaboaka an'i Masantôko? 24Izikoa misy fanjakagna miady an-tragno, dia ho ravagna zany. 25Avakeo koa misy tokan-tragno miady an-tragno,dia halaky ravagna zany tokan-tragno zany.26Koafa nitsangagna namaly ny haigniny Masantôko avakeo nisaraka, dia tsy hadigny haila, kay hifaragna. 27Fao tsisy afaka mitsôfotro akao amin'ny tragnon'ny lalahy matanjaka araiky avakeo mandratra ny fanagnany koa tsy manady lehy matanjaka aloha, ary handratra ny tragnony izy avakeo.28Ambarako marigny aminareo, ho voavaila aby ny heloky ny zanak'ôlombelogno, na dia reo koragna ratsy jiaby zay aboakan'ny vavany aby, 29fao zay mivôlagna ratsy ny Fagnahy Masigny ndraiky dia tsy ho voavaila heloko bariky dintany." 30Nagnabara zany Jesôsy avy amin'ny fagnambaran-jareo hoe: "Managna fagnahy maloto Izy."31Avakeo dia homby ny nininy ndraiky reo rahalahiny avakeo nitsangagna tagny ambailany. Nagnandaifa ôlogno nagnambara Azy zareo, kay nampagnantso Azy. 32Nantotry magnodidigny Azy ny vahoaka ary nivôlagna taminazy zareo hoe: "Ny nininao ndraiky reo rahalahinao dia akao ambailany akao, avakeo mizaha anao zareo."33Ary Izy namaly hoe: "Zôvy moa niniky ndraiky rahalahiky?" 34Ary nizaha nagnodidigny tamin’ny ôlogno nantotry magnodidigny Azy Izy avakeo nivôlagna Izy hoe: "Zahavo, reto niniky sindraiky rahalahiky! 35Fao na zôvy na zôvy magnano ny sitrapôn-Jagnahary, dia zany ôlogno zany no rahalahiky, ndraiky rokivaviky, avakeo niniky."Chapter 4
1Avakeo nanomboka nagnanatra teo môron-dranomasigny koa Izy, avakeo nisy vahoaka maro nivôry nagnodidigny Azy. Nitsôfotro tao agnatin'ny lakagna zay teo an-dranomasigny Izy, avakeo nantotry tamin-jany. Ny vahoaka jiaby ndraiky nijanogno teo amôron-dranomasigny. 2Nagnampianatra zareo raha maro tamin'ny alalan'ny fagnohoaragna Izy, avakeo tao amin'ny fampianarany, dia zao no nikoragniny tamin-jareo.3Tandrignaiso, nisy mpamafy handaiha hamafy ambeo.4Ary raha namafy izy, dia nisy ambeo sanany nirabaraba tamin'ny lalagna, kay havy reo vôrogno aveo nihinagna zany.5Ny ambeo sanany nirabaraba tamin'ny tany feno vatovato, zay tsisy fotaka maro.Tonga dia naniry izy reo, satria tsy laligny ny fotaka nisy azy.6Izy koafa niboaka ny masoandro, dia nalazo zareo, avakeo satria tsisy vahany izy reo, kay maigny.7 Ny ambeo sasany latsaka tamin'ny tany rakotro fatsiky. Avakeo niboaka nahay giaida reo fatsika ireo kay nampijaly azy, kay tsy magnaboaka taignany.8Ny ambeo sasany latsaka tamin'ny tany tsara kay namokatra taignany agnatiny izy mitômbo aveo nahay fôntry, avakeo ny sanany nisôsoko telopôlo ambon'ny lehy teo, ny sanany enimpôlo, avakeo ny sanany zato." 9 Aveo nivaolagna Izy hoe: "Zay misy sôfigny hindesigny mitandregny, izy tôkony hitandregny!"10Koafa nanaokagna Jesôsy, dia nagnontany azy mikasiky io ohatra io reo zay nariny Azy avakeo reo mpianany aroa ambinifôlo.11 Nivaolagna Izy tamin-jareo hoe: " Areo no namiako raha mivôny amin'ny fanjakan-Jagnahary. Fao ho an-jareo lehy akagny vailany agny dia ohatra aby, 12mbô amin'ny fotoagna hizahavan-jareo, ia hizaha zareo, kanaifa tsy hahita, avakeo mbô amin'ny fotoagna hitandrignesan-jareo, ia haharegny zareo, kanaifa tsy hahay zany, na koa himpôdy zareo kay hamindra fô amin-jareo Zagnahary."u13Aveo nivaolagna izy tamin-jareo hoe: "Tsy azonareo moa zany fagnoharagna zany? Akôry zany mbô hahazahoanareo reo fagnoharagna hafa jiaby? 14Lehy mpamboly lehy mamafy ny ambeo dia ny ôlogno araiky lehy mamafy ny teny. 15Reto no lehy nirabaraba tamin'ny lalagna, lehy namafazagna ny teny, koafa regnin-jareo zany, dia tonga dia havy Masantôko avakeo hangalatra ny teny zay voapariaka tamin-jareo.16Reto lehy voafafy tamin'ny tany feno vatovato, lehy, koafa nangala ny teny, tonga dia nangala zany tamim-piravoravoagna. 17Tsisy vahany akao amin-jareo, fao mahadigny fotoagna fohy faogna. Dia tonga ny fijaliagna na ny fagnindriagna nohon'ny teny, kay tonga dia lavo zareo.18Reo hafa lehy voafafa tamin'ny tany feno fatsika.Regnin-jareo ny koragna, 19fao ny fisalasalan'ny tany jiaby, ny famitahan'ny fanagnagna, avakeo ny filàgna raha hafa dia tafitsôfotro kay manabataba ny teny, kay tsy mamoa vokatra zany. 20Avakeo lehy voafafy tamin'ny tany tsara dia reo lehy mitandregny ny koragna avakeo mangala zany, kay namoa vokatra zareo telopôlo, enimpôlo, na nitômbo zato ambonin'ny lehy nafafy."21Jesôsy nivaolagna tamin-jareo hoe: "Entinao akao antragno moa ny jiro mbô hatao ambany harogno, na ambanin'ny fandriagna? Indesinao miditry zany avakeo atanao ambonin'ny fantairan-jiro. 22Fao tsisy raha mivôny kay tsy ho hay, avakeo tsisy tsiambaratelo zay tsy hiboaka. 23Raha misy manantsôfigny hindesigny mitandregny, izy tôkony hitandregny.24Nivaolagna Izy tamin-jareo hoe: "Mitandraima amin'ny koragna lehy regninareo, fao arakaraka ny ohatra agnoharanareo faogna, no agnoharagna areo, avakeo hampiagna aminareo zany. 25Satria na zôvy na zôvy managna, dia hamiagna taigna fôntry izy, avakeo na zôvy na zôvy tsy managna, na lehy anagnany aby alagna aminazy."26Avakeo nivaolagna koa Izy hoe: "Ny fanjakagnan-Jagnahary dia karaha ôlogno araiky magnapariaka ny ambeny amin'ny tany. 27Mandry izy amin'ny aligny avakeo monjogno amin'ny marandraigny, avakeo ny ambeo dia miboaka kay maniry, fao tsy hainy hoe manankôry. 28Ny tany dia mamoa amin'ny haigniny faogna: voalohany ny rantsany, avakeo ny tahaolany, avakeo ny taignany matoa akeo amin'ny tahaolany.29 avakeo koafa matoa ny taignany dia tonga dia izy hagnandaifa fandidiagna, fao afa laira ny fotoam-pandidiagna."30Ary nivaolagna koa Izy hoe: "Ino moa raha azontsika ampitoviagna ny fanjakan-Jagnahary, na ino ny fagnoharagna hampiasaintsika hagnazavagna zany? 31Zany dia karaha ny voatsinampy lehy, koafa hafafy, dia izy no ambeo farany hely amin'ny ambeo jiaby eto ambonin'ny tany. 32Kanaifa, koafa voapariaka zany, dia miboaka avakeo manjary giaidagiaidan'ny kakazo jiabay, avakeo mamoa rantsagna giaida, kay hazon'ny vôrogno magnembagna hagnamboaragna ny tragnony akeo amin'ny naranarany."33Ary fagnohoaragna fôntry karaha zany no nagnambarany ny vaolagna tamin-jareo, araka lehy fahazahoan-jareo azy, 34avakeo tsy nikoragna tamin-jareo koa tsy tamin'ny fagnoharagna Izy. Kanaifa koafa latsatôkagna Izy, dia nazavainy tamin'ny reo mpianany manaokagna ny raha jiaby.35Tamin'ny zany andro zany, koafa tonga ny aligny, dia ninainagna Izy tamin-jareo hoe: Andaiha atsika hitsaka arô an-dafirô." 36Kay niala teo amin'ny reo vahoaka zareo, ninday Jesôsy niaraka tamin-jareo, koafa igny Izy, tao angatin'ny lakagna igny. Nisy lakagna hafa nandaiha niaraka taminy.37Avakeo nanomboko nisy rivotro mafy aveo daroba nanafotro ny lakagna kay afa tsoko feno rano ny lakagna.38Ary Jesôsy zeraiky nandry teo ambon'ny lakagna, tambon'ny ondagna. Ninjonin-jareo Izy, ninainagna hoe: "Mpagnanatra ô, tsy mampagnino Anao moa koa hofoaty aketo atsika?"39 Avakeo nonjogno Izy, dia ninainagna mafy tamin'ny rivotro, avakeo ninainagna tamin'ny ranomasigny hoe: "Mijanona! milamina! Aveo nijanogno ny rivotro, kay nisy filaminagna be.40Avakeo nivaolagna Izy tamin-jareo hoe: "Nagnino moa areo matahotro? Mboala tsy managna finoagna foagna moa areo"? 41Feno tahotro zareo kay nifampivaolagna hoe: "Zôvy moa tô, fao na dia ny rivotro ndraiky ranomasigny aby magneky Azy?"Chapter 5
1Tonga tagny andafirôn-dranomasigny zareo, tao amin'ny faritr'i Gerasena. 2Koafa niala tao amin'ny lakagna Jesôsy, tonga dia nisy lalahy araiky azon'ny fagnahy maloto nagnatogno Azy avy tagny amin'ny fasagna.3Nipaitraka tagny amin'ny fasagna tô lalahy tô. Tsisy afaka nitagna azy eky, na dia tamin'ny silisily aby. 4Voatady mazagna tamin'ny gadra vy ndraiky silisily izy. Nitapahany reo rôjo ary potiky reo gadra vy. Tsisy nanagna ngôvo nitagna azy.5Isan'aligny ndraiky isan'andro tagny amin'ny reo fasagna ndraiky tagny an-tampontanety, dia nangaikingaiky izy aveo nandratra ny haigniny tamin'ny vato marangitry. 6Koafa nahita Jesôsy avy lavitry izy, dia nilomoay nagnatogno Azy sady nondriky Talaohany.7Ary nangaiky tamin'ny feo mafy izy hoe: " Ino moa ifandraisako aminao, ry Jesôsy, Zanaka Zagnahary Taigna Ambony? Miangavy Anao amin'ny agnaran-Jagnahary araiky faogna zaho, aza mampijaly zaho." 8Fao Izy nivaolagna taminy hoe: "Miboaha amin'io lalahy io, ry fagnahy maloto."9Ary Izy nagnontany azy hoe: "Zôvy moa agnaragnao?" kay nivaliany hoe: "Legiona agnarako, satria maro be zahay." 10Ary nagavigny mafy Taminy lalandava izy tsy hanaora zareo agny ambailan'ny faritry.11Ary nisy andian-kisoa nihinagna tan-tanety, 12ary niangavy Taminy zareo, nagnano hoe: "alifaso amin'ny reo kisoa zahay; ambilao zahay hiditry amin-jareo." 13Kay nambailany zareo; ary niboaka reo fagnahy maloto kay nitsôfotro tamin'ny reo kisoa, aveo nilaifa tagny an-taivagna hoagny an-dranomasigny zareo, ary kisoa tôkony roa arivo no maty an-dranomasigny.14Nilaifa reo nampihinagna kisoa aveo nagnambara raha jiaby nisy tao antanàgna ndraiky tagny ambanivôhotro, ary ôlogno maro no niboaka hizaha ny raha nisy. 15Aveo zareo nandaiha amin'i Jesôsy ary hitan-jareo lehy lalahy nibidaohan'ny masantôko, lehy araiky zay nibidaohan'ny legiona, nipaitraka teo, nisikigny, ary nisy fagnahy; kay natahotra zareo.16Reo zay nahita ny raha nisy tamin'ny lehy lalahy nibidaohan'ny masantôko dia nitantara tamin-jareo ny mahakasiky zany tamin'ny antsimpiriany, aveo koa nitantara mahakasika reo kisoa tamin-jareo. 17Dia nanomboko niangavigny Azy zareo mbô hialany eo amin'ny faritry zareo.18Koafa hiakatra tamin'ny lakagna Izy, dia niangavy Taminy lehy lalahy nibidaohan'ny masantôko mbô hiaraka Aminy. 19Kanaifa tsy nagnambaila azy Jesôsy, fao nagnano hoe: "Mandihana môdy agny amin'ny tragnonao ndraiky fianakaviagnanao ary tantaray amin-jareo raha natan'ny Tômpo taminao, ndraiky namindrany fô taminao!" 20Dia lôsogno nôdy izy aveo nanomboko nagnambara ny zava-dehibe zay natan'i Jesôsy taminy tagny Dekapolisy, ary gaga ny jiaby.21Ary koafa nandaiha nitsaka ndraiky Jesôsy, tamin'ny lakagna, dia igny nisy ôlogno maro taigna maro nivôry nagnodidigny Azy, koafa teo amorondranomasigny igny Izy. 22Avakeo avy ny araiky amin-jareo mpitariky synagoga, antsôvigny hoe Jairo, koafa nahita Azy, dia niantoraka tamin'ny hogony. 23Niangavy lalandava izy, naganano hoe: "Marary mafy afa hofoaty ny zanako vaiavy. Miangavy Anao zaho, avia, avakeo apitraho aminazy ny tagnagnao mbô hahivagna izy." 24Dia lôsogno niaraka taminy Izy, ary vahoaka maro no nagnaraka ndraiky nankahety nagnodidigny Azy.25Ary nisy vaiavy araiky teo voan'ny fahaveraizan-dio lava nandritran'ny roambinifolo tagno. 26Sahiragna mafy izy ary afa nitety mpitsabo maro ndraiky nandany fanagangna jiaby kanaifa tsy nahivagna fao voa maika nahay nafy. 27Koafa naharegny reo tatitry mahakasika Jesôsy izy, dia nandaiha tafarany tao agnaty ôlogno maro izy, aveo nikasiky lambany.28Satria nivolagna izy hoe: "izikoa mikasiky lambany fogna zaho, dia hahivagna." 29Koafa nikasiky Azy izy, dia nijanogno ny fahaveraizan-dio. Aveo tsapany hatragny agnatiny fa nahivagna tamin'ny aretigny izy.30Hain'i Jesôsy niaraka tamin'ny zay fao nisy hery lôsogno tamin'Azy. Nitodiky tagny amin'ny ôlogno Izy aveo nivolagna hoe: "Zôvy no nikasiky lambanaha?" 31Dia namaly Azy reo mpianatra hoe: Hitanao ôlogno reo maro mifanitsiditsidigny aminao reo, kay hozy Anao hoe: "Zôvy nikasiky zaho." 32Fao ninizaha ny magôlotro Azy Jesôsy mbô hahitavany zay nagnano zany.33Lehy vaiavy, nahay zay raha nitranga taminazy, dia natahotro aveo nangitakitaka. Lôsogno izy avakeo niantoraka talohaka Jesôsy kay nivaolagna taminazy ny marigny jiaby. 34Dia nivaolagna Jesôsy taminazy hoe: "Zanako ny finoagnanao no nampahivagna anao. Mandihàna amin'ny fiadanagna ary mahivàgna amin'ny aretigny nao."35Koa mbôla nivaolagna Izy, dia avy ny ôlogno sasany avy tagny amin'ny mpitariky synagoga, nagnano hoe: "Afa maty ny zanakao. Nagnino mbôla manahiragna Mpagnanatra faogna?"36Kofa naharegny zay nivolagnin-jareo Jesôsy, dia nivaolagna Izy tamin'ny lehy mpitariky synagoga hoe: "Aza ambory, magnikaiha faogna." 37Ary tsisy nambailany hiaraka Aminazy, koa tsy Petera, Jakoba, aveo Jaona, rahilahin'iJakoba. 38Tonga tagny antragnon'ny lehy mpitariky ny synagoga zareo avakeo nahita ôlogno naraisaka mafy teo izy; nitomoagny ndraiky nivolambolagna mafy zareo.39Koafa niditry ny tragno Izy, dia nivaolagna tamin-jareo Izy hoe: Nagnino areo mivolambolagna ndraiky mitomoagny? Tsy maty ny zaza fao mandry." 40Nimoehy Azy zareo. Kanaifa naboakany tagny ambailany zareo jiaby avakeo nangala ny babany ndraiky ninin'ny lehy zaza ndraiky reo zay niaraka taminazy, aveo nitsôfotro tao amin'ny tragno nisy lehy zaza Izy.41Nalainy ny tagnan'ny lehy zaza avakeo nivaolagna taminazy hoe: "Talita, Komy!" zay adika hoe: "Razazavavy, mivaolagna aminao Zaho, mitsangàna." 42Niraka tamin'igny nitsangagna razazavavy, aveo nandaiha(Satria roa ambin'ny folo tagno izy). Tonga dia afa gaga zareo. 43Naraovany mafy zareo mbô tsy hisy na zôvy na zôvy hahay ny mahakasika zao. Avakeo nirahiny namiagna hanigy lehy zazavaiavy.
Chapter 6
1Nialàny toairagna io kay nôdy an-tanindrazagnanazy Izy, aviteo nagnaraka aza aby mpianatranazy.2Izy koafa tonga ny andro Sabata, nagnampianatra tao amin'ny Synagoga Izy. Fôntry ny ôlogno nitandregny Azy salakady gaga koa zareo. Nivaolagna zareo hoe: "Mbô avy aiza eky azahoany fampianaragna magnanjany?" "Avakeo mbô zôvy koa nagnamia Azy zany fahendriagny zany?" "Avakeo koa fahagagagna aby tsabony tagnagnanazy reo?" 3"Tsy ngiaha mpandrafitra igny moa io, ny araiky zanaka Marie sy ndraiky rahalahin'ny Jakoba aveo Josefa sy Jodasy avakeo Simona? Avakeo tsy miaraka amintsika eto moa rokivaviny regny? Vignitry tamin'ny Jesôsy zareo aviteo.4Ary nivaolagna Jesôsy tamin-jareo: "Tsisy mpagnazary tsy hamegny haja, afa tsy lehy akao amin'ny tany faviany avakeo akao amin'ny havany marikitry azy avakeo koa amin'ny fianakaviagnazy tôkagna edy." 5Tsy afaka magnano asa mahagaga eky izy, koa tsy famitrahantagnagna amin'ny marary vitsivitsy avakeo mampahivagna zareo. 6Lany fagnaha amin'ny tsy finoagnan-jareo baka Izy. aviteo lôsogno nagnodidigny tanagna Izy ndehagnanatra.Aveo nagnantso zareo roa ambinifôlo lahy Izy avakeo nanomboka nagniraka zareo tsiroaroa, aveo namiany fahefagna akao amin'ny fagnaha maloto zareo, 8avakeo nampitandrigny zareo tsy hinday raha amin'ny tany zay avy nimbon-jareo, na môfo, na sakelika, na vola amin'ny fehinkibon-jareo afa tsy tongôzo edy. 9Fa hagnano kiraro, avakeo ndraiky tsy hagnano ankanjo aroa.10Nivaolagna izy tamin-jareo hoe: "Na afiriagna na afiriagna aby areo hitsôfotra amin'ny tragno araiky, dia mibidoha agny fôgna areo papiky areo hôdy. 11Izy koa ndraiky misy tanagna tsy mampiditry areo na mitandregny areo, izy koa fa miala ao amin'ny toairagna zany areo, dia araraho aby vôvoko jiaby amin'ny tongotroareo mbô hijoroagna vavolombelogno amin-jareo."12Lôsogno zareo avakeo nagnambara tamin'ôlogno fa tôkony hifôgno amin'ny raha tsy manjary nataony. 13Nandroaka masantôko fôntry zareo, ary nagnôsotro marary fôntry tamin'ny mainaka aviteo nampahivagna zareo.14Regniny Heroda mpanjaka zany, satria nanjary nalaza agnaragna Jesôsy. Ny sasany nivaolagna hoe: "Nitsangagna tamin'ny maty Jaona mpagnano batisa izy koafa nagnan'igny, dia nanjary niasa tamin'ny angôvo mahagaga zareo." 15Fa ny sanany tamin-jareo ndraiky nivaolagna hoe: "Elia Izy." nivaolagna koa ny sanany hoe: "Mpagnazary Izy, tôrotro lehy araiky tamin'ny andron'ny mpagnazary taloha regny."16Izy koafa naharegny zany Heroda dia nivaolagna izy hoe: "Jaona, lehy nitapahiky lôha, no nitsangagna avy tamin'ny maty." 17Fao Heroda baka nagniraka ôlogno nanambotra i Jaona aveo nagnandaifa azy tagny antragno mahizigny avy tamin'ny raharahan'ny Herodia sy (vadiny Filipo rahalahiny), satria nivadiny io vaiavy io.18Aviteo Jaona nivaolagna tamin'ny Heroda hoe: "Mifanipaka amin'ny lalàgna ny hanambadiananao vadin'ny rahalahinao." 19Fao vignitra tamininazy Herodiasy kay nitsakaraka raha hamonoagna azy, kanaifa tsy afaka, 20satria matahotra Jaona Heroda; hainy tsarabe fao ôlogno marigny Jaona salakady feno fahamasinagna aviteo niarôvany izy. Nampanahiragn'azy ny fitandrignaisany azy, kanaifa mbaola nitandrignaisany tamin'ny haravoagna faogna izy.21Pehy tonga ndraiky fitsingeran'ny taogno nahatirahin'i Heroda aviteo izy nagnasa reo ôlogno maventiny, sindraiky mpifehy, aveo zareo mpitarika Galilia. 22Kay nitsôfotro tamin'ny hefitry tragno fagnasagna ny zanakavavin'i Herodiasy aveo izy nandihy hoan-jareo, kay naharavoravo Heroda sy reo vahiny nafarigny tamin'ny fihinanagna raha natany. Kay nivaolagna mpanjaka tamin'ny vaiavy io: "Angahoy aminaha raha tianao fa ameky aby."23Ary nifanta taminazy izy nagnano hoe: "Na ino na ino raha angahonao aminaha, dia hameky anao, na sasahigny aby fanjakagnanahy." 24kay niboaka izy aveo nivaolagna tamin'ny nininy hoe: "Ino mao raha tokony angahoky aminazy? Nivaolagna nininy hoe: "Talandôhan'i Jaona mpagnano batisa." 25koafa naharegny zany nimpody nalaky tamin'ny mpanjaka izy, kay nangaho, nivaolagna hoe: "Tiako amaizanao zaho, amin-jeo, akeo amboniny kapilany lôhan'ny Jaona mpagnano batisa."26Na dia nanpiasa lôha mpanjaka mafy aby zany, dia tsy afaka nitsipahiny fangatahany satria afa nagnome toky izy salakady mbaola teo aby reo vahiny nafariny tamin'ny fihinagna.27Koafa zany nagniraka miaramilany araiky avy tamin'ny mpiambigny ny mpanjaka avakeo nagnamia baiko zareo izy hinday lôhany Jaona aminazy. Lôsogno mpiambigny aveo nanapaka lôhany tao antragno mahizigny. 28Nindesiny teo amboniny kapila ny lôhany aviteo nameny zaza vaiavy, aviteo vaiavy io ninday salakady nagnamia azy nininy.29Koafa naharegny zany mpianatra nazy, homby tagny zareo ary nalaka ny nôfony kay nagnambaila zany tao am-pasagna.30Nimpôdy tamin'ny jesôsy reo apostôly, aveo nitantara raha jiaby vitan-jareo tagny sy nagnanarany zareo. 31Nivôlagna Izy tamin-jareo: "Alôho atsika andaiha antany maty hangala rairaka hely". Fa fôntry ôlogno mihirihory, aveo tsisy fotoagna hinanagna hanigny aby zareo. 32Kay lôsogno tamboniny lakagna zareo mbô handaiha agny amin'ny tany maty.33Fao zareo nahita fao lôsogno zareo aveo fôntry ôlogna nahay zareo, aviteo niaraka nilomoay an-tongotra avy tamin'ny tanagna jiaby zareo, avakeo homby talohan'jareo. 34Zareo koafa tonga tamin'ny magnôlotro, dia nahita vahoaka fôntry Izy aviteo nafiraigny Azy zareo satria karaha ondry tsisy mpikôpoko regny zareo. Kay nanomboka nagnanatra raha fôntry tamin-jareo.35Koafa haligny andro, nagnatogno Azy mpianatranazy reo nivaolagna hoe:"Tany maty tany misy atsika tô avakeo andro io fa marikitry aligny. 36kay alifaso zareo mbô handaiha mody antanàgna magnodidigny hivagna hanigny hoanin-jareo."37Kay namaly Izy aviteo nivaolagna hoe: "Amezonareo raha hoanigny zareo."Dia nivaolagna zareo taminazy hoe: Afaka mandaiha mivanga mofo amin'ny vola roanjato moa zahay kay agnamaizanay zareo raha hoanigny? "38Dia nivaolagna Izy tamin-jareo hoe: "Firy moa mofo anagnanareo?"Ndao zahavo"izy aviteo koafa hitany nivaolagna zareo hoe: "Mofo dimy sindraiky lako aroa."39Aviteo nagnirako ôlogno jiaby hantotry mitsitrôkotrôko amin'ny ahitra mahitso Izy.40Aviteo nantotry araka amin'ny an-tokony zareo; tokony dimampôlo ambiny zato zareo. 41Nalainy mofo dimy sindraiky lako aroa, aviteo nizaha lagnitry Izy salakady nankasitraka aveo nagnamia mofo tamin'ny mpianatranazy mbô hagnamezan-jareo azy amin'ôlogno. Aveo lako dimy koa norasaigny tamin-jareo aby.42Nihinagana aby zareo jiaby kay voky.43 Koafa navôry lambiny mofo tsy lany tokony ho roambinifôlo garaba, nagnanjany koa lako. 44Nahampy dimy arivo lalahy zareo nihinagna mofo reo.45koafa vitan-jareo zany nirahiny nakatra amin'ny lakagna mpiantranazy mbô hitsaina Azy andafirô, handaiha agny Betsadia, raha nagnandaifa vahoaka Izy.46Zareo aviteo koafa lôsogno nakatra antampon-tanety Izy mbô hivavaka. 47Tonga ny aligny, ary ny lakagna fa tagnivondrano masigny, kay nanjary izy araiky faogna tantanety.48Ary hitany fao taigna nijaly namily ny lakagna zareo, satria namaly zareo nafy ny rivotro. Tokony tamin'ny fotoagna fiambaisagna ny faha aifatra ny aligny nandaiha tamin-jareo Izy salakady nandaiha teo ambonin'ny ranomasigny, ary managna fikasagna handalo amin-jareo Izy. 49Koafa hitan-jareo nandaiha tambonin'ny ranomasigny Izy, ambory zareo satria nantan-jareo lôlô, niafatrafatra zareo,50 satria nahita Azy zareo salakady ambory. Ingy edy haila nivaolagna tamin-jareo Izy: "Matokisa! Fa zaha faogna tô! Aza ambory!"51Izy aviteo niditry tamin'ny lakagna niaraka tamin-jareo, nijanogno tsy nandrivotro eky andro. Gaga zareo aviteo. 52Satria tsy azon'ny menimen-jareo hely aby ny dikany mofo. fa nahay nafy fô faogna zareo.53Koafa tafitsaka zareo, dia tonga tao Genesareta reo kay nijanogno tao. 54Koafa nijotso avy tamboniny lakagna zareo, tonga dia hain'ôlogno tao, 55kay nilomoay nagnairany faritry jiaby zareo, aviteo nintonga ôlogno narary tamin'ny fandriagna tamin'ny tany jiaby narignaisanjareo Azy.56Fao na taiza na taiza tany nimboany na tantanàgna, na tanàgna gaida, na amin'ny tanagna madiniky, dia napaitraka zareo tamin'ny banja faogna ôlogno marary. Nangavignin-jareo Izy mbô hagnambaila zareo hikasika ny rambon'ankanjony, ary fôntry zareo nikasika Azy aviteo nahivagna aby. 2Ary hitan-jareo ny mpianatranazy sanany nihinagna mofo tamin'ny tagnagna maloto izany hoe tsy voasasa. 3(Fao ny Fariseho sindraiky Jiosy jiaby dia tsy mbaola mihinagna izy koa tsy avy nanasa tagnagnan-jareo, satria maganaraka fombafomban'ny reo lohôlogno.) 4Koafa nimpôdy avy tagny an-tsaina reo Fariseho, dia tsy mihinagana zareo raha tsy avy miseky, avakeo mitandrigny fomba fôntry hafa fatatra zareo, tôrotro ny fanasagna ny kapoaka, sindraiky famaragna, aveo fanagnanga varahigny, avakeo koa fandriagna lehy ihinanan-jareo.)5Zareo Fariseho sindraiky mpanôratra lalàgna nagnontany Jesôsy hoe: "Nagnino moa mpianatrao no tsy mandaiha araka ny fomanban-jareo lôhologno, kay homagna ny môfon-jareo amin'ny tagnagna tsy voasasa?"6Naifa nivaolagna Izy tamin-jareo: "Isaia naminagny tsara mikasika areo mpihatsaravelatsihy. Nosoroatany hoe: 'Tô vahoaka tô magnaja Zaho amin'ny sogniny, fa ny fôny ndraiky lavitry Zaha. 7Tsisy aby ny fivavahanga amaizan-jareo Zaho, izy koa maganatra ny fitsipik'ôlombelogno ho fampianaragnan-jareo.'8Ambailanareo ny didin-jagnahary kay hitananareo mafy ny fômban'ôlogno.9 "Aviteo nivaolagna ndraiky koa Izy tamin-jareo: "Karaha akôry moa fagnarianreo didin-jagnahary mbô hitandraimanareo ny fomban-drazagnareo!10Nivaolagna Mosesy: 'Magnaja babanao sindraiky nininao,' aveo koa,'Lehy mivôlagna ratsy ny babany ndraiky nininy dia ho foaty tatôbe.'11Kanaifa areo mivaolagna hoe: 'Izy koa misy lalahy araiky mivaolagna ny babany na koa nininy hoe: "Na ino na ino tianao hoazo avy aminaha dia afa korbana,"' (zany hoe: namaizagna zagnahary'--12kay tsy ambailanareo hitsabo na ino na ino amin'ny babany sindraiky nininy eky izy. 13Magnafoagna ny tenin-jagnahary areo noho ny fomban-drazagnareo lehy nitananare. Ave raha fôntry tôkagana zany koa no tsabonareo."14Aveo nagnantso vahoaka koa Izy kay nivaolagna tamin-jareo hoe: "Mitandrignaisa Zaha, areo jiaby, kay alaihonogno. 15Tsisy raha avy akeo vailany izay mitsôfotro akao agnantin'ôlogno kay afaka mandoto azy koafa mitsôfotro aminazy akao. Fa lehy miboaka avy akao agnantin'ôlogno no mandoto azy." 16[Ny fandikagna taigna tsara dia tsy atao akao ny andininy faha 16: Raha misy manan-tsôfigny hitandrignaisagna, aoka izy hitandregny.]17Koafa niala teo amin'ny vahoaka Jesôsy kay nitsôfotra tao an-tragno, ny mpianatranazy nagnontany Azy mikasika lehy fagnoharagna. 18Nivaolagna Jesôsy taminy: "Areo koa moa mbaola tsy managna fahalalagna? Tsy hitanareo moa lehy jiaby mitsôfotro akao agnatin'ôlogno avy ankagny vailany tsy mandoto azy,19satria tsy afaka mitsôfotro ao am-pôny zany fa akao agnati-bokoanazy faogna kay miboaka agny amin'ny fiboahagna?" Tamin-jany fagnambaragna zany dia nahatonga hanigny jiaby ho madio i Jesôsy.20Nivaolagna Izy: "Lehy miboaka avy akao amin'ôlogno no mandoto azy."21 Fao avy akao agnatin'ôlogno, avy am-pôny, no iboahan'ny saingy ratsy, ny fahavetavetagna, ny halatra, ny fomonoagn'ôlogno, 22ny fijangajangagna, ny fagniriagna, ny haratsiam-pagnahy, ny vandy, ny fijejojejoagna, ny fialôgnagna, ny fagnambaragna vandy, ny avognavogno, ny halifahagna. 23Zany raha ratsy jiaby zany no miboaka avy akao agnatin'ôlogno, avakeo reo no mandoto azy."24Niala teo Izy kay lôsogno nandaiha tagny amin'ny faritra Tyro sy Sidona. Nitsôfotro tan-tragno araiky Izy ary tsy tiany hain'ôlongo na zôvy na zôvy fao tao Izy, kanaifa tsy afaka nivony. 25Kanaifa niaraka tamin-jany nisy vaiavy araiky, lehy nisy nisy fagnahy maloto araiky ny zanany vaiavy hely, naharegny ny aminy, avy, ary niondriky tamin-tongontroanazy. 26Aveo Grika lehy vaiavy, Syro-foinika no naviany. Niangavy taminazy izy mbô hagnaboaka masantôko hibaoka amin'ny zanany vaiavy.27Nivaolagna Izy taminazy: "Tokony hamegny hanigny aloha ny zaza. Satria tsy manjary ny malaka ny mofon-jaza kay manopy azy ho amin'ny amboa." 28Naifa namaly Izy kay nagnano Tamininazy hoe: "Ia, Tômpo, na amboa akao ambaniny latabatra aby mbô homagna ny lambilambiny amin'ny mofon-jaza."29Kay nivaolagna Izy taminazy: "Noho ny zany koragnanao zany, afaka mandaiha anao. Afa niboka tamin-janakao vaiavy ny masantôko."30Koafa nimpôdy tagny an-tragnony vaiavy dia nahita zaza nandry teo ambonin'ny fandriagna, ary ny masantôko afa lôsogno.31Jesôsy niboaka koa niala faritry Tyro, dia nagnivaka agny Sidona bariky amin'ny Ranomasigny Galilia kay niakatra ny faritry Dekapolisy. 32nentin-jareo taminazy ny ôlogno araiky maregnigny salakady mijaly izy koa mivaolagna, ary niangavy Azy zareo mbô hametraka tagnagna aminazy.33Nitonga lalahy io nitokagna niala teo amin'ny vahoaka Izy, Kay nametraka ny ratsan-tagnany tao an-tsôfiny Izy, koafa avy nandrora, dia nikasiky ny lailany. 34Kay niandra lagnitry Izy, dia nintemp ka nagnano taminazy hoe: "Efata," zany hoe: "Mahivagna!" 35Ary nalaky teo faogna sofignianazy dia nahivagna, ary lehy mamehy ny lailany dia ravagna aveo afaka nivaolagna soamantsara izy.36Ary Jesôsy nandraova zareo tsy hivaolagna na amin-jôvy na amin-jôvy. Kanaifa na dia naraovagna aby zareo, nahay nagnaparitaka azy mafy faogna. 37Kay lany fagnaha tanteraka ny ôlogno, kay nivaolagna hoe: "Natany tsara aby ny raha jiaby. Natany maharegny aby lehy maregnigny avakeo nivôlagna lehy tsy mivaolagna."Chapter 8
1Tamin-jany andro zany, dia nisy vahoaka fôntry koa, ary tsisy raha hoanigny zareo. Dia nagnantso ny mpianany Jesôsy avakeo nivaolagna tamin-jareo hoe: 2"Maforaigny zaho reo vahoaka, satria afa telo andro zareo nizôhy zaho ary tsisy raha hoanigny. 3Raha alaifako môdy akagny an-tragnony dia tsy mihinagna zareo, dia mety azomafo andalagna. Ny sanany amin-jareo dia avy akagny an-tany lavitry." 4 Namaly Azy reo mpianany hoe: "Aiza hitsakarahantsika môfo hahavôky reo vahoaka reo an-tany tsisy raha tô?"5Nagnotany zareo Izy hoe: " Firy moa môfo misy aminareo?" Ninainagna zareo hoe: "Fito"6 Nagniraka ny vahoaka mbô hibafoka amin’ny fôtaka Izy. Nalainy ny môfo fito, dia nagnamia misaotra Izy, avakeo nitapahany reo. Namiany ny mpianany zany mbô ho rasain-jareo amin’ny vahoaka, avakeo napaitran-jareo teo alohakan'ny vahoaka zany.7Ary mboala nanagna lako madiniky vitsivitsy koa zareo, koafa afavy nagnamia misaotra reo Izy, dia nagniraka reo mpianatra mbô hagnamia zany koa Izy. 8Dia nihinagna zareo kay vôky, aveo nalain-jareo ny lambilambiny tavaila, zay mboala nahafeno garaba fito giaida. 9Tôkony ho efatr'arivo teo ho eo ny ôlogno tamin’ny zany. Avakeo dia nalaifan'ny nôdy zareo. 10Tonga dia nakatra tao agnatin’ny lakagna niaraka tamin’ny reo mpianany Izy, ary nandaiha tagny amin'ny faritr'i Dalmanota zareo.11Dia niboaka reo fariseo avakeo nanomboko nimalo taminy. Nitsakaraka famantaragna avy akagny an-dangitry tamin-jareo, mbô hitsapagna Azy. 12Nihetsiketsika ny tarifôn’Azy avakeo nivaolagna hoe: "Nagnino moa mizaha famantaragna tô taminga tô? Naifa volagniky marigny aminareo, fa tsisy famantaragna amiagna tô taminga tô zany."13 Aveo dia nilahaosany zareo, nakatra tao agnatin'ny lakagna koa, avakeo niala lavitry handaiha akagny andafirô.14Ary tsitsaroan'ny mpianatra ny ninday môfo niaraka tamin-jareo. Tsy nanagna mihoatra ny araiky zareo tao agnaty sambo.15 Dia nampitandrigny zareo Izy kay nivaolagna hoe: "Mivognôsa avakeo mangalao honondraha amin'ny lailamamin'ny reo Fariseo sindraiky lailamamin'i Heroda."16Dia nifagnontany taigna ny mpianatra hoe: "Nohon'ny atsika tsy managna môfo zany."17 Hain'i Jesôsy zany, avakeo nivaolagna Izy tamin-jareo hoe: "Nagnino moa amin'ny tsy fanagnagna môfo ny diniky areo? Mboala tsy azonareo moa? Mboala tsy takatrareo faogna? Nanjary donty moa ny fônareo?"18Managna maso areo, fao tsy mahita moa? Manan-tsôfigny areo, fao tsy mitandregny moa? Tsy tsaroanareo moa? 19Koafa nanapaka môfo dimy hamiagna ôlogno dimy arivo Zaho, dia garaba firy feno lambilambiny môfo no nafômpognoareo?" Nivaolagna zareo Taminazy hoe: " Roambinifôlo."20Koafa nanapaka reo môfo fito hamiagn'ôlogno aifatr'arivo Zaho, firy garaba lambiny nafômpognoareo?" Nivaolagna zareo Taminazy hoe: "Fito." 21Ary novaolagna Izy hoe: " Mboala tsy hainareo faogna moa?"22Tonga tagny Betsaida zareo. Aveo nisy gila araiky nindesin'ôlogno Taminazy ary nangavian-jareo Jesôsy mbô hikasiky azy.23 Nindesin'i Jesôsy tamin'ny tagnagna lehy gila, avakeo nitariky azy hiboaka ny tanàgna. Koafa nandrora teo amin'ny masony Izy avakeo nagnapaitraka ny tagnany teo aminy, dia nagnontany azy Izy hoe: "Mahita raha moa anao?"24Dia nianko lôha izy, kay nivaolagna hoe: "Mahita ôlogno karaha kakazo mandaihandaiha zaho. 25"Napaitrak'i Jesôsy teo amin'ny masony koa ny tagnany, avakeo naboliakany lehy lalahy ny masony, dia nimpôdy tamin'ny laoniny ny fizahagnanazy, ary nahita mazava tsara ny raha jiaby izy. 26Dia nalaifan'i Jesôsy nôdy izy avakeo nivolagniny hoe: "Aza mitsôfotro akao an-tanàgna."27Nandaiha niboaka Jesôsy sindraiky ny mpianany nandaiha tagny amin'ny tanagnan'i Kaisaria Filipo. Tagny an-dalagna dia nagnontany reo mpianany Izy hoe: "Hatan'ôlogno ho zôvy moa Zaho?"28 Namaly Azy zareo kay nivaolagna hoe: "Jaona mpagnano batisa. Ny sanany mivaolagna hoe: "Elia', avakeo ny sanany hoe: 'Araiky amin'ny reo mpagnazary.'"29Nagnontany zareo Izy hoe: "Fao areo ndraiky moa magnano Zaho Zôvy?" Dia namaly Azy Petera hoe: "Anao no Kristy." 30Nampitandrigny zareo Jesôsy mbô tsy hivaolagna ny mahakasiky Azy na amin-jôvy na amin-jôvy.31Nanomboko nagnampianatra zareo Izy fao tsy maintsy hijaly ny Zanak'ôlogno, ary tsy hankatoavin'ny lohandôhan'ôlogno sindraiky reo lôhan'ny mpisôrogno avakeo mpanoratra lalàgna, ary ho vonogny, kay hitsangagna amin'ny maty afaka telo andro.32 Nambarany mazava tsara zany. Aveo nantsôvin'i Petera mangingigny Jesôsy kay nanomboko ninainagna mafy Azy.33Naifa nitodiky Jesôsy dia nizaha reo mpianany ary avakeo ninainagna mafy an'i Petera kay nagnano hoe: "Mialà marikitry Zaho, ana masantôko! Tsy mbô misaigny ny rahan-Jagnahary anao, fa ny rahan'ôlogno."34 Avakeo dia nagnantso ny vahoaka sindraiky ny mpianany niaraka Izy, ary nivaolagna Izy tamin-jareo hoe: "Raha misy tia-hagnaraka Zaho, dia tsy maintsy mahafoy haignianazy izy, mangala ny kakazo fijaliagna, avakeo magnaraka Zaho.35Na zôvy na zôvy tia-hamomjy ny haignianazy dia hagnary zany, ary lehy magnary ny haigniny noho ny Aminaha sindraiky ny vaovao maharavoravo, dia hamonjy zany. 36Fao ino ndraiky moa tombontsoa hazon'ôlogno araiky, raha mahazo tany jiaby, ary avakeo very ny haignianazy? 37Ino moa raha araiky hafaka takalozan'ôlogno haignianazy?38Na vôvy na zôvy maignatra Zaho sindraiky koragnanahy aketo amin'ny tô taminga mijangajanga avakeo mpanota tô, dia ho maignatra azy koa ny Zanak'ôlogno koafa tonga akao amin'ny vogninahitry ny Baba miaraka amin'ny reo anjely masigny Izy."
Chapter 9
1 Nivaolagna Izy tamin-jareo hoe: "Ambarako aminareo marigny tatôbe, fao misy aminareo zay mitsangagna aketo no tsy hagnandragna zany fahafataisagna zany alôhan'ny hahitan-jareo ny fanjakan-Jagnahary zay ho avy amin'ny hery lehibe." 2 Ary enigny andro tatô afara, dia nindesin'i jesôsy niaraka taminazy Petera ndraiky Jakoba ary Jaona tagny an-tampontanety hambo, ary zareo fogna tagny. Avy eo niaova saora teo agnilan-jareo Izy. 3Ny lambanazy niaova nangilangilatra salakady mavaza, ary taigna fôtsy, fôtsy mihoatran'ny raha nankafotsigny teto ambonin'ny tany.4Avy eo Elia ndraiky Mosesy niboaka tamin-jareo, salakady nikoragna tamin'i Jesôsy zareo. 5Petera namaly kay nivolagna tamin'i Jesôsy hoe: " Mpagnanatra ô, tsara raha mitoby aketo atsika,kay andeha hagnano lay telo, ny araiky nihinao,ny araiky nihin'ny Mosesy, ary ny araiky nihin'ny Elia." 6 ( Fao tsy hainy raha tokony ho volagniny, satria natahotro mafy zare.)7Nisy zavogno avy kay nandrakotro zareo. Ary nisy volagna niboaka avy tamin-javogno hoe : " Tô zanako tiako, mitandrignaisa Azy."8 Tampoko teo, raha nizaha magnodidigny zareo, dia tsy nahita na zôvy na zôvy eky, koafa tsy Jesôsy zeraiky edy.9Koafa nandrôrogno avy tan-tampon-tanety zareo, dia nirarany mafy mbo tsy hivolambolagna na amin-jôvy na amin-jôvy ny raha hitan-jareo, koa tsy raha mitsangagna amin'ny maty edy ny Zanak'Ologno. 10Ary dia nitanan-jareo hoan-jareo fogna zany volagna zany, kanaifa nifampagnotany zareo ny amin'ny tôkony ho dikany zany " fitsanganagna amin'ny maty" zany.11Nagnontany Azy zareo hoe: " Nagnino zareo mpanoratra lalàgna no magnambara fao tsy maintsy hoavy alaoha Elia?"12 Nivôlagna Izy tamin-jareo hoe : "Afa tonga voalohany Elia hagnarigny raha jiaby." Ary nagnino no voasoratra fao ny Zanak'Ologno dia hijaly mafy amin'ny raha maro ary hatao mitôvy amin'ologno tsisy dikany? 13Kanaifa ambarako aminareo fao afa avy Elia, ary natan'ologno taminazy raha jiaby tiany fôny, araka zay afa nivolagnin'ny Soratra Masigny mahakasiky azy."14Koafa nimpôdy tamin'ny mpianatra zareo, dia nahita ologno maro magnodidigny zareo ary zareo mpanoratra lalàgna niady hevitry taminazy.15 Koafa nahita Jesôsy zareo, dia gaga vahoaka jiaby ary raha igny nihazakazaka nagnatogno Azy igny zareo dia nagnamia finaritry Azy. 16Nagnontany reo mpianany Izy hoe: "Mahakasiky ino raha hiadiavanareo hevitry amin-jareo."17Ary nisy araiky taminjareo vahoaka namaly Azy hoe: "Mpagnanatra ô, nindesiky aketo aminao ny zanako lalahy. Misy fagnahy maloto tsy mampivolagna azy izy. 18Manambotro azy io kay mandavondavo azy aveo mifaotafaota izy, mihidy nify, ary nanjary mihainjagna izy. Nangavigny tamin'iregny mpianatrao zaho mbo hagnaboaka zany hiala amin'azy, kanaifa tsy vitan-jareo zany.19 "Ary namaly zareo Izy hoe: "Oa taranaka tsy mino, manomboka afiriagna no hibidaohako eto aminareo?" manbomoka afiriagna no handifairako aminareo? Ndeso atô aminaha izy."20Ary nindesigny teo aminy lehy zazalalahy, ary koafa nahita Jesôsy lehy fagnahy ratsy, dia nampifanintontsitogno azy zany. Lavo tamin'ny tany lehy zazalalahy aveo feno raninivy ny vavany. 21Jesôsy nagnontany babany hoe: "tafiriagna nampagnantô azy?" Dia nivôlagna babany: "Nanomboko izy mbala hely. 22" Ndraikindraiky io fagnahy ratsy io nandavo azy tagny agnaty môtro na tagny agnaty rano ary nagnandragna ny hagnapotiky azy. Koà mahay magnano raha jiaby anao, dia miantrà zahay aveo ampià zahay."23Jesôsy nivolagna taminazy hoe: "koà mahay anao? 24Raha jiaby dia hainy ze mino." Ary niaraka tamin-jany ny baban'ny iehy zaza dia nangaiky mafy hoe: " Mino zaho! Ampia zaho amin'ny tsy finoagnanaha! " 25Koafa hitan'i Jesôsy regny vahoàka nihazakazaka nagnatogno azy zareo, dia nivolagniny mafy lehy fagnahy ratsy nagnano hoe: "Oa fagnahy möa salakady maregnigny, mandidy anao Zaho, miboaha aminazy, ary aza mimpôdy miditra aminazy eky."26Nangaikingaiky mafy izany kay nampifanintogno lehy zazalalahy avekeo niboaka. Mitôvy ôlogno maty lehy zazalalahy, kay maro ny nivolagna hoe: "Maty zy. 27" Fao jesôsy nalaka azy tamin'ny tagnagna kay nagnako azy, dia nitsangana lehy zazalalahy.28Koafa niditry tantragno Jesôsy, dia nagnontany Azy manôkagna ny mpianany hoe: "Nagnino zahay no tsy nahavoaroaka lehy fagnahy ratsy? 29" Nivôlagna Izy taminjareo hoe: "Raha tôrotro regny dia tsy afaka roasigny koa tsy amin'ny alalan'ny vavaka."30Niala teo zareo ary nandalo tagny Galilia. Tsy tiàny ho hain-jôvy na zôvy hoe taiza zareo,31 fa nampianatra reo mpianany Izy. Nivôlagna Izy tamin-jare hoe : " Ny Zanak'Ologno dia hatôlotro agny antagnagnan'ologno, kay hivonon-jareo Izy. Ary koafa voavono Izy, dia hitsangagna amin'ny maty ndraiky afaka telo andro. 32"Fa tsy takatra zareo io fagnambaragna io, ary natahotro zare hagnontany Azy.33Avakeo tonga tagny Kaperinaomy zareo. Koafa avy niditry tantragno Izy dia nagnontany azy zareo hoe: "Ino raha nifampikoragnanareo tagny andàlagna?"34 Fao nangigny zareo. Satria afa niady hevitry tagny an-dalagna zareo ny amin'ny ze tegna gaida.35 Nipaitraka dia nagnantso regny aroa ambinifolo lahy niaraka Izy ary nivôlagna tami-jareo hoe: "koa misy tehi- voaloahany, dia tsy maintsy farany amin'ny jiaby izy, ary ho andevony jiaby."36Nangala zazahely araiky Izy aveo natany tagnivon-jareo.Nivotrovotrony tamin'ny trarany izy ary nivôlagna tamin-jareo hoe:37 "Na zôvy na zôvy mangala ny zaza tôrotro tô amin'ny agnarako, dia mangala Zaho koa,ary koa misy mangala Zaho,dia tsy mangala Zaho zeraiky izy, fa Lehy nagniraka Zaho koa.38Nivôlagna Jaona taminazy hoe: "Mpagnanatra ô, nahita ôlogno nagnaboaka masantôko tamin'ny agnaragnao zahay aveo nisakananay izy, satria tsy magnaraka atsika." 39Fao Jesôsy nivolagna hoe: "Aza manakagna azy, fa tsisy ôlogno hagnano asa gaida amin'ny agnarako kanaifa tsy aila afaran'izay aby dia hivôlagna raha ratsy mahakasiky Zaho.40Na zôvy na zôvy tsy manohitry atsika dia miaraka amintsika. 41Na zôvy na zôvy magnamia anao rano airan'ny kôpy higiahigny satria nihin'i Kristy anao, dia volagniky aminao marigny koa , fa tsy hovery ny valim-pitiavany.42Na zôvy na zôvy no manafintohigny ny araiky amin-jareo hely mino Zaho reo, dia tsara aminazy ny agnantôgnagna vato gaida fikisôham-bary mifehy eo amin'ny ambozony ary hatsipy agny amin'ny ranomasigny. 43Koa tagnagnanao no mahatonga anao ho tafintohigny, tapaho zany.Fa tsara aminao no miditry kilemaigny agny amin'ny fiainagna, tsitôko zay managna tagnagna aroa ary handaiha agny amin'ny afobe, agny amin'ny môtro tsy manjary vonogny. 44[Fagnamarignagna: ny fandikagna tegna tsara dia tsy maintsy ny fehefanteny agny amin'ny andininy faha 44 ndraiky faha 46: "Zay tsy maty lehite ny kankan-jareo ary ny môtro tsy hifoaty barikidintany."]45Koa hongotroa no manafintohigny anao, tapaho zany. Tsaratsara aminao ny miditry misy antsa agny amin'ny fiainagna tsitôko managna hongotro aroa ary hariagna agny amin'ny ofobe. 46[Zahao ny fagnamarignagna agny amin'ny andininy faha 44]47Koa masona no mahafintohigny anao, alao agny zany. Tsara aminao no miditry ny fanjakagnan-Jagnahary miaraka amin'ny maso araiky tsitôko maso aroa ary hariagna agny amin'ny afobe, 48agny amin'ny toairagna zay tsy mahafaty ny kankan-jareo, ary ny môtro tsy manjary vonogny.49Fao ôlogno jiaby dia samby ho voasira amin'ny môtro, 50Tsara ny sira, fao raha ny sira manjary matsatso, manakôry no ahafanao mampasira azy ndraiky? Asiavo sira ao aminareo, aveo mihavagna amin'ny tseraikiraiky aby."Chapter 10
1Niala teo amin'ny zany toeragna zany Jesôsy, avy eo nandaiha tagny amin'ny faritr'i Jodia ndraiky tagny amin'ny faritra ambanin'ny reniranon'i Jordana, avy eo nandaiha taminazy ndraiky ny vahaoka. Ary araka ny fatany, dia nampianatra zareo ndraiky Izy. 2Aveo nagnontany Azy zareo fariseo mbô hitsapa Azy kay nagnontany hoe: "Ara-dàlagna amin'ny lalahy moa misaraka amin'ny vadiny?" 3Namaly Izy hoe: "Ino moa raha nandidian'i Mosesy areo?" 4Nivolagna zareo hoe: "Mosesy dia nagnambela lalahy araiky hanoratra taratasy fagnamarinagna fisaraham-panambadiagna ary nandaifa azy aveo."5Nivolagna Jesôsy tamin-jareo hoe: "Nohony hamafisany fônareo no nanoratany aminareo zany làlagna zany." 6Fao tagny ampiandohagnan'ny famoraonagna, 'Zagnahary nagnano zareo lalahy ndraiky vaiavy.'7Amin-jany antony zany dia hiala ny Babany ndraiky Nininy ny lalahy kay hikambagna amin'ny vadiny, 8aveo hanjary nôfotro araiky zareo roa. " Kay tsy ho araiky eky zareo fao ho nôfotro araiky faogna. 9Kay zay nakamban-Jagnahary, dia tsy tôkony ho sarahin'ôlombelogno."10Raha afa tantragno zareo, dia mbola nagnampôdy nagnontany mahakasika zany ndraiky reo mpianatra. 11Nivolagna Izy tamin-jareo hoe: "Na zôvy na zôvy lalahy misaraka amin'ny vadiny kay mampakatra vaiavy hafa dia mijanganjanga. 12Raha misaraka amin'ny vadiny ny vaiavy kay manambady lalahy hafa, dia mijanganjanga izy."13Aveo zareo dia nitondra ny zanaka zareo tamin'Azy mbô hampitrahagna tagnagna, fao nasiahan'ny mpianatra zareo. 14Fa raha hain'i Jesôsy zany, dia vingitry mafy Izy kay nivolagna tamin-jareo hoe: "Ambilao ny zaza hagnatogno zaho, aveo aza sakanagna zareo, fao ny fanajakan-Jagnahary dia amin-jareo mitôvy zareo.15Volagniko aminareo marigny koa: na zôvy na zôvy tsy mandray ny fanjakan-Jagnahary mitôvy ny gamadiniky dia tsy hitsôfotro amin' zany velively. 16Aveo dia nivotrovotrony reo zaza reo kay notsofony rano salakady namitrahany tagnagna.17Aveo raha nanomboka nandaiha Izy, dia nisy lalahy nihazakazaka kay nandongoalitry talohany, ary nagnontany hoe: "Oa Mpagnanatra tsara, ino raha tôkony atako mbô handovàko ny fianagna bariky ditany?" 18Jesôsy nivolagna hoe: "Nagnino moa antsôvinao hoe tsara Zaho? tsisy raha tsara, kô tsy Zagnahary araiky fôgna. 19Hainao ny didy hoe: 'Aza mamono ôlogno, aza mijanganjanga, aza mangalatra, Aza mijoro ho vavolombelogno tsy marigny, aza mavady, hajay ny Babanao ndraiky Nininao."20Nivolagna lehy lalahy hoe: "Mpagnanatra ô, afa narahiko nanomboka tamin'ny fahatanorako jiaby zareo jiaby reo." 21Nizaha azy jesôsy dia tia azy. Ary nivolagna Izy taminy hoe: "Misy raha tsy feno araiky aminao. Tsy maintsy avidinao zay raha jiaby anagnanao, aveo amiazo ny mijaly zany, dia hanagna hariagna agny andangitry anao. Aveo, mizohià zaho." 22Fa nohony zany fagnambaragna zany dia nalahelo izy kay nandaiha nangahiahy, satria nanankariagna maro izy.23Nizaha ny magnodidigny Azy Jesôsy aveo nivolagna tamin-jareo mpianany hoe: "Taigna sarotro ho amin'areo manankariagna ny mitsôfotro amin'ny fajakan-Jagnahary!" 24Dia gaga tamin'ny teniny reo mpianatra. Nivolagna ndraiky Jesôsy tamin-jareo hoe: "Zanako, sarotro ny fitsofaoragna ao amin'ny fajakan-Jagnahary!" 25Moramora amin-dramaiva ny miditry amin'ny vodim-panjaitry tsy tôko hidiran'ny mpanankariagna ao amin'ny fanjakan-Jagnahary."ok26Dia mbola gaga ndraiky ny mpianatra aveo dia nifagnontany zareo hoe: "Zôvy zany no mety havaotagna?"27 Nizaha zareo Jesôsy kay nivaolagna Izy hoe: "Tsy haifan'ôlogno zany, fao vitan-jagnahary. Satria ny raha jiaby dia hain-jagnahary tsabógny." 28Dia nanomboka nivaolagna taminy i Petera hoe: "Zahavo, zahay jiaby dia nahafoy ny raha jiaby aveo nagnaraka Anao."29 Ary nivaolagna Jesôsy: "Ambarako marigny aminareo, tsisy ôlogno zay niala ny tragnony,na ny rahalahiny, na ny rahavaviny, na ny nininy, na ny babany, na ny zanany, na ny taniny avy aminaha, sindraiky vaovao maharavo, 30 kay tsy nahazo amboniny zato heny amin'izao taonjato avaizo zao: dia tragno, rahalahy, rahavavy, niny, zanaka,sy tany, miaraka amin'ny fagnenjahagna, ary amin'taonjato ho avy, dia fiainagna bariki ditany. 31 Fao maro ny voalohany no hanjary farany, ary ny farany hanjary ho voalohany."32Tagny an-dalagna zareo, hakatra akagny Jerosaleme, ary Jesôsy nandaiha talohaka zareo. Gaga zareo mpianatra, ary zareo zay nagnaraka Azy tafara dia natahotro. Nantsovin'ny Jesôsy handaiha Aminy ndraiky zareo aroa ambinifolo aveo dia nanomboko nagnambara raha hihiatra Aminazy tsy ho aila Izy.33 "Zahavo, miakatra handaiha akagny Jerosalema atsika zeo io, ary ny Zanak'Ologno dia atolotro ny mpisoronabe ndraiky ny mpanoratra lalàgna. Ho helohin-jareo ho foaty Izy aveo hatolony jentilisa. 34 Zareo dia hagnaratsy Azy, handrora Azy, hamboko Azy, ndraiky hamono Azy. Fao afaka telo andro dia hitsangagna amin'ny maty Izy."35Jakoba ndraiky Jaona, zanak'i Zebedio, nagnatogno Azy ary nivolagna hoe: "Mpagnanatro ô, mbo tiànay raha mbo atanao zay raha jiaby angahonay aminao."36 Dia nivolagna Izy tamin-jareo hoe: "Ino no tiànareo ho atako aminareo?" 37Nivolagna zareo hoe: "Ambilao zahay hiara-hipaitraka aminao akao amin'ny vogninahitriao, kay ny araiky akeo an-tagnagna ankaherinao aveo ny araiky akeo ankavianao."38Fao Jesôsy namaly zareo hoe: "Tsy hainareo zay angahonareo. Areo moa afaka migiaka amin'ny kapoaka zay higiahako na hiaritry hatao batisa amin'ny zay hanaovagna batisa Zaho. 39Nivolagna zareo Taminazy hoe: "Vitanay zany." Ary nivolagna tamin-jareo Jesôsy hoe: "Ny kapoaka zay higiahako, dia higiahanareo, ary amin'ny batisa zay hanaovam-batisa Zaho, ni hanaovam-batisa areo koa. 40Fao zay hipairaka akeo an-tagnagna ankaherinaha na akeo ankavianaha ndraiky dia tsy miankigny aminaha zany, fao zany dia hoan-jareo zay nagnomagna zany.41Koafa naharegny ny mahakasiky zany zareo mpianatra folo hafa, dia nanomboko vingitry mafy tamin'i Jakoba ndraiky Jaona.42 Nantsovin'i Jesôsy handaiha aminanazy zareo ary nivolagna hoe: "Hainareo fao zareo zay antenaigny ho mpanapaky ny Jentilisa dia mampanompo zareo, aveo ny lehibe mpifehy zareo dia magnampatra fahefagna amin-jareo.43Fa tsy tôkony hagnan-jany ny aminareo. Fao na zôvy na zôvy magniry ho lehibe aminareo dia aoka izy ho mpanomponareo, 44ary na zôvy na zôvy no magniry ho voalohany aminareo dia aoka izy ho andevonarreo jiaby. 45Fao ny Zanak'Ologno tsy avy mbo hitompogny, fa mbo hanompo, ndraiky hanolotro ny aigniny ho takalon'aigny ho an'ny maro.46Homby tao Jeriko zareo. Koafa niboaka ny tanàgna niaraka tamin'ny mpianany ndraiky vahoaka marobe Izy, ny zanak'i TImeo, Bartolomeo zay mpangaho salakady gila, nantotry teo amoron-dalàlagna.47 Koafa naharegny izy fao Jesôsy avy agny Nazareta zany, dia nanomboko nangaikingaiky mafy izy salakady nivolagna hoe: "Ry Jesôsy, Zanak'i Davida ô, mamindrà fô aminaha! " 48 Maro no nivolagna mafy lehy gila, nivolagna taminy mbô hangigny. Fa vao maika izy nangaiky mafy hoe: "Ry Zanak'i Davida ô, mamindra fô aminaha! "49 Nijanogno Jesôsy aveo nampagnantso azy. Nantsovin-jareo lehy gila, aveo nivolagniny hoe: "Maharaiza! Mitsangàna! Magnantso anao Izy." 50 Nariany ny saimbony, aveo nitsangagna, kay nandaiha tamin'i Jesôsy izy.51 Dia namaly azy Jesôsy aveo nivaolagna hoe: "Ino no tiànao atako aminao? "Nivaolagna lay lalahy gila hoe: " Mpagnanatra ô, te-hahita zaho." 52 Ary nivaolagna Jesôsy taminazy hoe: "Mandihiana. Ny finoagnanao no nagnavotro anao." Dia nahita niaraka tamin'igny ny masony, ary nizohy an'i Jesôsy tagny an-dalàgna izy.Chapter 11
1Ary koafa nandaiha tagny Jerosalema zareo, dia narikitry an'i Betifaga ndraiky Betania,agny an-tampon-tanety Oliva, ary Jesôsy nagniraka aroa tamin-jareo mpianany 2 salakady nivaolagna tamin-jareo hoe: " Mandihiana amin'ny rô tanagna hely marikitra atsika rô. Izy koa tafatsôfotro akao areo, dia hahita zana-boriky araiky mbala tsy nitikignan'ologno. Vahao izy dia ndeso atô aminaha. 3 Izikoa misy ologno mivaolagna aminaremo hoe: "Nagnino areo no magnano zao? " Dia atôvo hoe: " Misy ilan'ny Tompo azy dia hampodiny malaky atô izy."4Nandaiha niboaka zareo dia nahita zana-boriky araiky nirôhy ake ambailan'ny tragno ankilan'ny tamiagna araiky akeo magnôlo-dalàlagna, ary nivotsôran-jareo ny tadinazy.5 Nisy ologno sasany nitsangagna teo salakady nivaolagna tamin-jareo hoe: "Ino tô atanareo, mamaha io zana-boriky io? 6"Dia nambarany zareo ny vaolagnan'i Jesôsy tamin-jareo, ary navailan'ny ologno nandaiha amin'ny lalany zareo.7Ary nindesin-jareo mpianatra aroa lahy teo amin'ny Jesôsy ny zana-boriky dia natany teo agnambon'ny zany ny lamban-jareo kay afaka nitikigny azy Jesôsy. 8Fôntry ny ôlogno namailatra ny lambany tagny an-dalagna, ary sasany ndraiky namailatra rantsan-kakazo zay nitapatapahagna avy tagny an-tsaha. 9Zareo zay nandaihateo alohany ndraiky zareo nagnaraka Azy nagnantsognantso hoe: "Hosana! Deraigny lehy araiky avy amin'ny agnaragnan'ny Tompo. 10Deraigny ny fanjakagna ho avin'i Davida babantsika! Hosana agny amin'ny taigna ambony "11Aveo Jesôsy nitsôfotro tao Jerosalema kay nandaiha an-kianjan'ny tempoly ary nizahazaha raha jiaby. Ary afa nahai- ariva ny andro, dia nagnano diabe nandaiha tagny Betania Izy ndraiky zareo aroa ambinifolo lahy. 12Ny andro fagnaraka, koafa nimpody avy agny Betania zareo, dia tihinagna Izy.13Ary nahita kakazon'aviavy misiraviny avy tarô lavidavitry, dia nagnatogno Izy hizaha raha misy taignany taminazy, ary koafa nandaiha tamin'izany Izy, dia tsy nahita na ino na ino koa tsiraha raviny edy, fao tsy mbala fotoagna famoazan'ny aviavy tamin'io. 14Ary Izy nivolagna tamin-jany hoe: "Tsisy hihinagna ny taignany avy aminao eky barikidintany." Ary ny mpianany naharegny zany.15Nandaiha agny Jerosalema zareo, ary nitsôfotro tao an-kianjan'ny tempoly Izy ary nantomboko nandroaka ny ampivarotro ndraiky ny ampivanga jiaby tao. Nalavony ny latabatr'ireo mpanakalo vola ndraiky ny sezin-jareo mpandafo pizigny. 16Tsy nagnambaila na zôvy na zôvy nitondra raha zay manjary alafo hitsôfotro ny kianjan'ny tempoly Izy.17Dia nampianatra zareo Izy kay nivolagna hoe: "Tsy afa voasoratra moa hoe: " Ny tragnonaha dia hantsovigny hoe tragno fivavahagna ho an'ny firenena jiaby? Naifa natanareo ho tragno fivorian'ny mpangalatra." 18Regnin-jareo lohan'ny mpisôrogno ndraiky zareo mpanoratra lalàgna zay nivolagniny, dia nizaha fomba hamonoagna Azy zareo. Fao natahotro Azy zareo satria ny vahoaka jiaby dia gaga tamin'ny fampianarany. 19Koafa havy ny hariva, dia niala ny tanàgna zareo.20Koafa nandaiha zareo ny maraindraigny, dia nahita lehy kakazon'aviavy nalazo hatramin'ny vahany. 21Ary Petera nahatsaro kay nivolagna hoe: ''Mpagnanatra ô, Nalazo lehy aviavy nihizôgninao."22Jesôsy namaly zareo hoe: "Manàgna finoagna an-Jagnahary. 23Volagniky aminareo marigny tatôboe fao na zôvy na zôvy mivaolagana amin'ny tô tampon-tanety tô hoe; "Mitsangàna kay milavoa agny an-dranomasigny, koa tsisy fisalasalagna ao am-pôny fao mankatô fa hitranga aminy zay nambarany, dia karaha zany no hatan-Jagnahary.24Noho zany Zaho mivaolagna aminareo hoe: "Zay raha jiaby hivavahanareo ndraiky angahonareo, matokisa fao afa nahazo zany areo, dia ho azonareo zany. 25 Koafa mitsangagna ndraiky mivavaka areo, dia tsy maintsy magnambaila zay alahelo jiaby anagnanareo amin-jôvy na amin-jôvy areo, mbô ho ambailan'ny Babanareo Zay agny an-dangitry ihany koa ny fahotagnanareo. 26 [Fagnamariahagna: Ny fandikagna taigna tsara dia tsy magnano ny hoe (Zahavo ao amin'ny Mat.16: 15) MK. 11: 26 Koafa tsy mamotsotro heloka kosa areo, dia tsy hamôtsotro fahotagnanareo faogna eky ny Babanareo Zay agny an- dangitry."]27Dia niakatra hankagny Jerosalema ndraiky zareo. Ary koafa nandaihandaiha tao an-kianjan'ny tempoly Jesôsy, dia havy nagnatogno Azy lohandohan'ny mpisôrona, ny mpanoratra lalàgna, aveo zareo sojabe.28 Nivolagna zareo taminy hoe: "Fahefagna avy aiza moa hagnanaovanao regny raha egny, aveo zôvy moa nagnamia nagnamia Anao fahefagna hagnano regny?"29Jesôsy nivolagna tamin-jareo hoe: "Hagnapaitraka fagnontaniagna araiky aminareo Zaho. Volagno Aminaha dia hambarako areo hoe fahefagna avy aiza moa anaovako regny raha regny. 30Ny batisan'i Jaona, avy agny an-dangitry moa zany asa avy amin'y ôlogno? Valia zaho."31Nifampandiniky miaraka zareo sady nimalo ndraiky nivolagna hoe: "Koa valian-tsika hoe: "Avy agny an-dangitry, dia hivaolagna Izy hoe: "Fa nagnino ary moa tsy nankatô azy areo?32 "Izy koa mamaly atsika hoe: "Avy amin'ny ôlogno,....." Natahotro ny ôlogno zareo, satria resy lahatra ny ôlogno jiaby fao Jaona mpagnazary tatôbe.33 Avy eo namaly an'i Jesôsy zareo kay nagnano hoe: "Tsy hainay." Dia nivaolagna Jesôsy tamin-jareo hoe: "Zaho tô koa tsy hagnambara aminareo hoe fahefagna avy aiza no hagnanaovako regny raha regny."Chapter 12
1Nanomboka nampianatra zareo tamin'ny fagnohoaragna Jeôsy. Nivaolagna Izy hoe: "Nisy lalahy nagnano tanim-boaloboka, nasiany vala magnodidigny zany, aveo, nagady famiazagna. Nanangagna tilikambo izy avakeo nampagnaofa lehy tanim-boaloboka tamin'ny mpamboly voaloboka. Dia niala nadaiha lavitry izy aviteo. 2Tamin'ny fotoagna manjary, dia nagniraka mpanompo andaiha amin'ny lehy mpamboly voaloboka izy mbô hangala amin-jareo zay tôkony ho anjarany amin'ny vokatra lehy tanimboaloboka. 3Fao nisamborin-jareo izy, nipopohiny, avakeo niroahigny tsy hinday na ino na ino.4Nagniraka mpanompo hafa handaiha amin-jareo ndraiky izy, aveo nivakin-jareo tamin'ny lohany avakeo nalainy baraka. 5Dia mbôla nagnandaifa hafa koa izy, ary nivonon-jareo io araiky io. Natan-jareo hotry zany reo maro hafa, nipopohigny ny sasany avakeo nivonogy reo hafa.6Mbôla nanagna ôlogno araiky hafa hirahigny izy, dia zanaka tiany. Izy no farany nalaifany tagny amin-jareo. Nivaolagna izy hoe: Mbô hagnaja ny zanako lahy zareo." 7Kanaifa nifampivolagna zareo mpamboly voaloboka hoe: "Tô lehy mpandaova. Avia, alô hivonontsika izy, dia hohazontsika ny laova."8Nisamborin-jareo izy, dia novonoiny, ary natsipiny tagny ambailan'ny tanim-boaloboka. 9Kay, ino ary no hatan'ny lehy tômpon'ny tanim-boaloboka? Ho avy izy handringagna reo mpamboly voaloboka ary hagnomia ny tanim-boaloboka amin'ny hafa.10Tsy nivakinareo moa zao Soratra Masigny zao? 'Ny vato zay nilavin'ny mpagnorin-tragno, no natao vato fehizoro. 11Avy tamin'ny Tômpo zany, ary mahagaga akeo ankilantsika." 12Nizaha ny hanambaoragna Jesôsy zareo, kanaifa natahotra vahoaka, satria hain-jareo fao hanohairagna zareo no nivolagnany zany fagnoragna zany. Kay navailan-jareo Izy ary lôsogno nandaiha zareo.13Dia nagniraka fariseo ndraiky Herodiana sasany handaiha Aminazy mbô hamandriky Azy amin'ny vaolagna zareo. 14Koafa avy zareo, dia nivaolagna zareo taminy hoe: "Mpagnanatra ô, hainay fao tsy mikônty hevitrin'ny ôlogno Anao, avakeo tsy mizaha fiangaragna eo amin'ny ôlogno. Mampagnatra marigny ny lalan-Jagnahary Anao. Ara-dalàgna moa sa tsia ny magnaifa haitra amin'i Kaisara? Tôkony hagnaifa haitra moa zahay sa tsia? 15Fao hain'i Jesôsy ny fiatsarambelatsihin-jareo kay nivolagna Izy tamin-jareo hoe: Nagnino moa areo mitsapa Zaho? Itongoaso denaria araiky Zaho mbô hizahavako zany."16Dia niotongoasan-jareo vola ariky Jesôsy. Nivolagna Izy tamin -jareo hoe: "Soran-jôvy tô sary ndraiky soratra tô?" Nivolagna zareo hoe: "Nihiny Kaisara." 17Nivolagna Jesôsy hoe: "Amiazo Kaisara zay nihin'i kaisara, ary amiazo Zagnary zay an-Jagnahary." Dia gaga taminazy zareo.18Avakeo reo Sadoseo, zay mivaolagna fao tsisy fitsanganagna amin'ny maty, dia tonga taminazy. Nagnontany Azy zareo, nagnano hoe: 19"Mpaagnanatra ô, nanaoratra zao taminay Mosesy hoe: 'Izikoa maty ny rahalahin'ny lalahy araiky avakeo nagnambaila vady izy, kanaifa tsy mbô nanan-janaka, tôkony manambady lehy vadiny rahalahiny lehy lalahy, kay hanagna taminga ho an'ny rahalahiny.'20Nisy fito mirahalahy, nanabady lehy voalohany aveo maty, tsy nagnambaila taminga. 21Avakeo nangala azy ny faharoa dia maty, tsy nagnambaila taminga, dia mitôvy amin'zany koa lehy fahatelo. 22Tsisy nagnambaila taminga izy fito. Lehy taigna farany, maty koa lehy ramotoa. 23Amin'ny fitsanganagna amin'ny maty, koafa hitsangagna ndraiky zareo, dia ho vadin-jôvy izy? Satria samby nanambady azy jiaby izy fito mirahalahy."24Ary nivaolagna Jesôsy hoe: "Tsy zany moa no antony mahadiso hevitra areo, satria tsy hainareo na ny Soratra Masigny na ny herin-Jagnahary? 25Satria raha mitsangagna amin'ny maty zareo, dia tsy hanambady na hatôlotro amin'ny fanambadiagna, fao mitôvy ny anjely agny andangitry.26Fao mahakasika ny amin'ny fitsanganan'ny taigna amin'ny maty, tsy nivakinareo moa ny tao amin'ny bokin'i Mosesy, ao amin'ny andalagna mahakasika lehy voaroy, ny nikoragnan-Jagnahary taminazy kay nivolagnany hoe: 'Zaho no Zagnaharin'i Abrahama ndraiky Zagnahan'i Isaka avakeo Zagnaharin'i Jakoba'? 27Izy dia tsy Zagnaharin'ny maty, fao nihin'ny velogno. Somary diso hevitra areo."28Nisy araiky tamin-jareo mpanaoratra lalàgna havy ary naharegny koragnan-jareo; hitany fa nivalian'i Jesôsy tsara zareo. Aveo nagnontany izy hoe: "Ino no didy taigna gaida amin'izy jiaby?" 29Jesôsy namaly hoe: "Ny tegna gaida dia ny hoe: 'Mitandrignaisa, ny Tômpo Zagnaharintsika, ry Israely, araiky ny Tômpo. 30Tsy maintsy mankatia ny Tômpo Zagnaharinao amin'ny fonao jiaby anao, amin'ny fagnahinao jiaby, amin'ny saigninao jiaby, avakeo amin'ny angôvonao jiaby. 31Tô no didy faharoa: 'Tsy maintsy mankatia ny namanao mitôvy ny haigninao anao.' Tsisy didy hafa gaida mihoatra ankoatran'ny reo."32Ninainagna lehy mpanaoratra lalàgna hoe: "Tsara zany, Mpagnanatra! Voambaranao marigny fao Zagnahary dia araiky, avakeo tsisy ankoatran'ny Izy. 33Ary ny mankatia Azy amin'ny fo jiaby ndraiky amin'ny saigny jiaby avakeo ny angôvo jiaby, avakeo mankatia ny namagna mitôvy amin'ny haigny, dia tsara mandilatra ny fagnatitry roagna jiaby." 34Koafa hitan'i Jesôsy fa nagnamia valin-teny hendry izy, dia nivolagna taminy Izy hoe: "Tsy lavitry ny fanjakan-Jagnahary anao." Aveo tafaran'ny zany, dia tsisy ôlogno nahasaiky nagnapaitraka fagnontaniagna tamin'i Jesôsy eky.35Namaly Jesôsy, raha nampianatra tao amin'ny tempoly Izy; Dia ninainagna Izy hoe: "Manankôry moa ivolagnan'ny mpanoratra lalàgna fao Kristy dia zanak'i Davida? 36Davida haigniny, tamin'ny Fagnahy Masigny, nagnano hoe: 'Ny tômpo nivaolagna tamin'ny Tompoko hoe: mipitraha akeo an-tanako ankahery, mandram-panaovako ny fahavalonao ho fitoeran-tongotroa.' 37Davida haigniny aby nagnantso Azy hoe: 'Tompoko', kay ino maha zanaka'i Davida an'i Kristy?" Nitandregny Azy tamink-aravoagna reo vahoaka maro be.38Tamin'ny fagnanaragna Jesôsy dia nivaolagna hoe: "Mitandraima amin-jareo mpanoratra lalàgna, zay tia mandaiha amin'ny ankanjo lava ary tian-jareo ny fiarahabagna azon-jareo agny an-tsaina 39ary tian-jareo ny mahazo sezy alaohaka agny amin'ny synagoga ndraiky toeragna alaohaka agny amin'ny fety. 40Mandroba ny tranon-jareo mpitondran-taigna zareo, avakeo magnano vavaka lava be mbô ho hitan'ôlogno. Reo lalahy reo dia hahazo fagnamelohagna gaidagaida.41Aveo Jesôsy nidôko fanan-jôko ny vatan-drakitra tao amin'ny faritry ny tempoly; nizaha reo ôlogno jiaby zay nandatsaka vola tao amin'ny vatandrakitry. Mpanakariagna maro no nandatsaka vola fôntry. 42Dia nisy vaiavy mijaly mpitodrataigna araiky avy nandatsaka farantsahely aroa, zay hely ventim-bary aroa ohoarigny amin'ny iraimbilanja.43Dia nantsôviny reo mpianany avakeo ninainagna Izy tamin-jareo hoe: "Ambarako areo taigna marigny, fao tô vaiavy mijaly mitomdra taigna tô no nandatsaka maro mandilatra ny ôlogno zay nandatsaka vola tao amin'ny vatan-drakitra. 44Satria ny jiaby dia namiany tamin'ny fanagnam-ben-jareo. Fao tô mpitondrataigna tô ndraiky, tamin'ny fijaliany, dia nandatsaka vola jiaby zay tôkony hivilaomany tao."
Chapter 13
1Koafa niala tao amin'ny kianjan'ny tempoly jesôsy, nivaolagna taminy araiky tamin'ny mpianatranazy hoe: "Oa mpagnanatra, zahavo hatsarany vato ndraiky hatsaragnan'ny fagnamboaragna!"2Nivoalana izy taminazy hoe: "Hitanao moa rafitry gaida aby reto? Tsisy hambaila hifampitikigny zareo reo na dia araika aza kay tsy haravagna."3Koafa nantotry teo amin'ny an-tampontanetin'Oliva mifagnitsin'ny fiangonagna Izy, kay nagnontany Azy mangangigny Petera, Jakoba, Jaona avakeo Andrea hoe: 4"Volagno aminay, afiriagna moa tonga zany raha jiaby zany? Avakeo ino raha tôkony hahaizagna izy koafa havy akeo raha zany?"5Aviteo Jesôsy nanomboko nivaolagna tamin-jareo hoe: "Mangalao honondraha areo mbo tsisy ôlogna afaka hamezigny lalagn'areo.6Satria fôntry ôlogno ho avy amin'ny agnaragnanaha avakeo hivôlagna hoe: "Zaho no izy" Aveo fôntry ôlogno voafandrikianazy.7Koafa maharegny ady ndraiky koragna maro mahakasika ady areo,dia aza misalasala; satria raha tsy maintsy hiboaka reo kanaifa mbaola tsy farandro ndraiky. 8Fao hoisy firenena hitsangagna hagnakorontagna firenena, avakeo fanjakagna hitsangagna hiady fanjakagna. Aveo hoisy horohoron-tany amin'ny toeragna maro, salakady avy koa ny tihinagna. Zany no fiantomboahan'ny fitairahagna.9Mitandraima areo. Halaifan-jareo aminy Synedriona areo, aveo ho popohin-jareo akao amin'ny Synagoga. Hintsangagna alohaka mpanapaka sindraiky mpanjaka areo noho ny avy aminaha, mbô ho tomoa amin-jareo areo. 10Fao vaovao maha-ravoravo tsy maintsy ambara magnairan-tany aloha.11Koafa manambotro ndraiky magnandaifa areo zareo, aza ambory amin'ny raha tokony volagninareo. Fao amin'ny fotoagna igny, hamiagna areo aby raha jiaby tôkony volagninareo; tsy areo aby hivaolagna, fao Fagnahy Masigny. 12Ny rahalahy hagnamia rahalahiny ho vonogny, aveo baba hagmamia zanany. Zanaka hitsagna hamaly babany sindraiky nininy kay hahafaty zareo. 13Tsy ho tian'ôlogno jiaby areo noho ny avy amin'ny agnaragnanaha. Fao na zôvy na zôvy ndraiky mahadigny bariky amin'ny farany,dia ho vonjegny zany ôlogno zany.14Fao raha hitanareo mitsangagna akeo amin'ny tsy tôkony hitsanganany ny fahavaitavaitagna fandravagna(tôkony handiniky lehy mamaky), avakeo ny ôlogno avy agny Jodia jiaby hilaifa agny an-tampontanety, 15lehy akao an-tafon-tragno ndraiky tôkony tsy hirôrogno akao amin'ny tragno na hagnaboaka raha avy akao amin'izany, 16avakeo lehy agnatiala tôkony tsy himpôdy hangala lambany.17Lozanareo vaiavy bikibo sindraiky mampinono amin-jany andro zany! 18Mivavaha areo mbô tsy ho amin'ny rirignigny hiboahan'izany, 19Fao hisy fijaliagna gaida, raha mbaola tsary nisy letry talôhaka tagny, koafa namôrogno raha jiaby Zagnahary, kay bariky amin-jeo, tsia, ary bariky dintany tsy hoisy eky zany. 20Izy koa tsy nagnahaignany tômpo edy andro zany, dia tsy hisy nôfotro ho voahavotro. Fao nohon'ny ôlom-boafidy, lehy nifidiny, dia nafoheziny isan'izany andro zany.21Izy koa misy ôlogno mivaolagna aminao hoe: "Zahavo, atô lehy kristy!" na koa hoe: "Zahavo, arôho Izy!" dia aza magneky zany. 22Fao hisy Kristy sandoko sindraiky mpagnazary sandoko hiboaka, avakeo hagnambara famataragna sindraiky fahagagagna,mbô hamitahagna, na ôlom-boafidy aza, raha manjary. Mivognosa! Satria fao nambarako areo rango taloha ny23 fotognany reo raha jiaby reo.24Naifa afaran'ny favoazagna reo andro reo, dia hahay mahizigny ny masôva, ny davôlagna tsy hagnamia hazavagna, 25aveo lakintagna hiraraka avy agny amin'ny lagnitry, aveo koa angôvo avy agny andagnitry hozonkozôgnigny. 26Kay ho hitan-jareo ny zanak'ôlogno avy agny amin'ny rôndro amin'ny angôvo giaida sidraiky voninahitry. 27Avakeo hagniraka ny anjely Izy kay hamôry miaraka amin'reo ôlogno voafidiny avy ankagny amin'ny vazan-tany aifatra, avy ankagny amin'ny faran'ny tany kay bariky akagny amin'ny faran'ny lagnitra.28Mangalao lesogno avy amin'ny kakazon'aviavy. Koafa mivangôngogno aveo magnano raviny ny rantsany, dia hainareo fao marikitry ny lohatagno. 29Tôrotro zany koa, koafa hitanareo miboaka zany raha jiaby zany, dia hainareo fao afa marikitry Izy, magnatogno ny varavaragna.30Volagniky aminareo, taigna marigny, tô taminga tô dia tsy ho lany ritry papiky hiboahan'izany raha jiaby zany. 31Ho ravagna ny lagnitry sindraiky tany, fao ny vôlagnanaha ndraiky tsy mety ho ravagna bariky dintany.32Fao mahakasiky zany andro ndraiky fotoagna zany, dia tsisy ôlogno mahay, na reo anjely akagny andagnitry aby, na ny zanaka, fao baba ziaraiky faogna.33Matandraima! mivognôsa, satria tsy hainareo ny fotoagna. (Fagnamarinagna: Reo fahaifagna talôha dia hoe: Alao honogno! Mivognôsa avakeo manompoa, satria...) 34Raha zany karaha lalahy araiky handaihy lavitry niala tragnoanazy kay zareo mpanompoanazy faogna nirahiny nikarakara tragnoanazy, samby amin'ny asanazy aby, avakeo nagniraka ny mpiambigny mbô tsy hoandry Izy.35Kay mivognôsa, satria tsy hainareo aby na afirigna no ho avy tômpon-tragno; mety hoavy aligny izany, na sasak'aligny, na magneno akôho, na maraindraigny. 36Fao raha havy tampoko Izy, dia aza ambaila hahita areo mandry izy. 37Raha volagniko aminareo dia volagniko amin'ôlogno jiaby koa: Mivongosa!"Chapter 14
1Ary roa andro talôhan'ny Paska ndraiky ny Fankalazagna ny fihinanagna ny Môfo Tsisy Levira tamin'ny zany. Nizaha fomba hisambôragna an'i Jesôsy mangingigny reo lôhan'ny mpisôrogno sindriaky ny mpanoratra ny lalàgna ary hamono Azy aveo.2 Ninainagna zareo hoe: "Aleo tsy atao amin'ny andro fety, mbô tsy hampitabataba ny ôlogno."3Koafa tagny Betania tao an-tragnon'i Simona boka Jesôsy, koafa nantotry teo an-databatra Izy, dia nisy vaiavy araiky nagnatogno Azy nitonga tavoangy alabastara misy mainaka lafo vidy, lehy narda tsy mifangaro. Nivakiny lehy tavoangy dia narabarabany teo amin'ny lôhany zany. 4Nahavingitry ny ôlogno sanany kanaifa zany. Nifampikoragna zareo kay nagnan-jao: "Ino moa anton'ny zao fandanindaniam-poagna zao?5 Io mainaka mangitry io dia nanjary navidy mandambin'ny vola telonjato, avakeo namiagna ny ôlogno mijaly." Dia nasiaka lehy vaiavy zareo aviteo.6Naifa nivaolagna Jesôsy hoe: "Ambilao izy. Nagnino moa areo magnano raha mampanahelo azy? Raha tsara no natany taminaha. 7Ny mijaly dia tsy hiala aminareo, ary mahavita hagnano raha tsara amin-jareo fogna areo na amin'ny fotoagna ino na fotoagna ino, fa Zaho ndraiky tsy hipaitraka aminareo aky bariky haila.8 Nagnano raha vitany izy: nagnôsotro zaho amin'ny fandivaignagna izy.9 Ambarako areo marigny, na aiza na aiza hagnambaragna ny vaovao maharavoravo magnairan-tany, dia hambara ny raha natan'ny tô vaiavy tô, mbô hatsaroavagna azy."10Aveo Jodasy Iskariota, araiky tamin-jareo roambin'ny fôlo lahy, lôsogno nandaiha tagny amin-jareo lôhan'ny mpisôrogno hahavitany manôlotro Azy akeo amin-jareo. 11Koafa naharegny zany reo lôhan'ny mpisôrogno, dia ravoravo zareo kay nampagnantaigna hagnamia vôla azy. Dia nanomboko nitsakaraka hiraka hagnamiazagna Azy amin-jareo izy.12Tamin'ny andro voalohan'ny fihinanagna ny môfo tsisy levira, koafa nagnano sôrogno ny ondrin'ny Paska zareo, dia nivaolagna reo mpianany taminy hoe: "Aiza no tianao homboanay hagnomoanagna hanigny, mbô hinanao ny hanignin'ny Paska?" 13Dia nangniraka ny roa tamin'ny reo mpianany Izy kay nivaolagna tamin-jareo hoe: "Mandiana akagny an-tanàgna, aveo hoisy lalahy minday seho feno rano hifanôjy aminareo. Magnaraha Azy.14 Lehy tragno hitsofaorany, magnaraha azy dia ambarao ny tômpin'ny zany tragno zany hoe: ' Nivaolagna ny mpagnanatra hoe: "Aiza ny hefitragno fandraisagna vahiny ahavitako miara-mihinagna ny Paska amin'ny reo mpianatranaha?'"15Hagnambara areo hefitragno giaida agnambon'ny rihana misy fitaovagna lehy efa vôgnogno tsara izy. Akao no atôvo ny fagnomanagna jiaby nihintsika." 16Dia lôsogno ny mpianatra avakeo nandalo ny tanagna. Hitan-jareo araka lehy koragna nambarany zareo ny raha jiaby, dia nagnomagna ny hanign'ny Paska zareo.17Koafa haligny ny andro, dia tonga niaraka tamin'ny reo roa ambin'ny fôlo lahy Izy. 18Koafa nantotry teo an-databatra sidraiky nihinagna zareo, dia novaolagna Jesôsy hoe: "Ambarako areo marigny, fao ny araiky aminareo lehy miara-mihinagna aminaha eto dia hamadiky Zaho". 19Nalahelo fatatra zareo jiaby, kay nivaolagna taminazy ny tsiaraikiaraiky hoe: "Tsy zaho ndraiky zany? "20Jesôsy namaly kay nivaolagna zareo hoe: "Ny araiky aminareo roa ambin'ny fôlo zany, lehy miaraka magnajôbo môfo aminahy agnatin'ny kapila ze io." 21Fao ny zanak'ôlogno dia handaiha amin'ny lalagna lehy afa nikoragnin'ny Soratra Masigny mahakasiky Azy. Fao loza ndraiky ho an'ny zany lalahy lehy mamadiky ny Zanak’ôlogno zany. Ny tsaratsara aminazy sintrany izy tsy natairaka."22Raha mboala teo am-pinanagna zareo, dia nangala ny môfo i Jesôsy, nagnamia misaotra, aveo nirasarasainy zany. Namiany zareo zany salakady nagnano hoe: "Alaivo, tô no vatagnanaha." 23Dia nangala ny kapoaka Izy, nagnamia misaotra, avakeo nagnamia zany zareo, samy nigiaka tamin'ny zany zareo jiaby.24 Nivaolagna Izy tamin-jareo hoe: "Tô ny lion'ny fagnikiaiham-pihavanako, lio lehy alatsaka hamiagna ny maro. 25Ambarako areo marigny, tsy higiaka tô vokatra ny voaloboko tô aky Zaho papiky havy koa ny andro zay higiahako zany akagny amin'ny Fanjakan-Jagnahary."26Koafa avy nihira hira fideragna zareo, dia nandaiha tagny an-tampontanetin'Oliva.27 Nivaolagna Jesôsy tamin-jareo hoe: "Hiala Zaho aby areo jiaby, fao voasoratra hoe: 'Hamango ny mpiambigny ondry Zaho avakeo hipariaka ny ondry.'28Koafa avy hatsangagna amin'ny maty Zaho,dia handaiha lôha lalagna areo akao Galilia." 29Dia nivaolagna Petera Taminazy hoe: "Na dia hiala aby jiaby, zaho tsy mbô hiala."30Nivaolagna Jesôsy taminazy hoe: "Ambarako anao marigny, fao niany haligny, mboala tsy magneno indroa aby ny akôho, dia afa hiala Zaho in-telo anao."31 Ninainagna Petera hoe: "Na tsy maintsy hiara-maty aminao aby zaho, tsy mbô hiala Anao." dia samy nampagnantaigna karaha zany aby zareo jiaby.32Ary tonga tagny amin'ny toairagna ato hoe Getsemane zareo, dia nivaolagna Jesôsy tamin'ny reo mpianany hoe: "Mantaira aketo raha mboala mivavaka Zaho." 33Dia ninday an'i Petera, sindraiky Jakoba, avakeo Jaona niaraka taminazy Izy ary nanomboko nalahalo salakady taigna nijaly.34 Dia nivaolagna Izy tamin-jareo hoe: "Nikorontagna loatra ny Fagnahinahy,karaha afa ho foaty. Mantaira aketo kay mivognôsa."35Nandaiha lavidavitry hely Jesôsy, nondriky tamin'ny tany, dia nivavaka Izy mbô raha koa manjary atao, dia hiala aminazy zany jaly zany. 36Nivaolagna Izy hoe: "Aba, oa Baba, ny raha jiaby hainao atao. Alao aminaha tô kapoaka tô. Naifa tôkony tsy ny sitrapôko no hatao, fao Nihinao."37Nimpôdy Izy dia nahita zareo nandry, kay nivaolagna Izy tamin'i Petera hoe: "Simona, mandry moa anao? Tsy nahavita niambigny fotoagna araiky aby moa anao?38 Mivognôsa dia mivavaha mbô tsy hitsoforanareo akagny amin'ny fakam-pagnahy. Ny fagnahy mety taigna mazôto, fa ny nôfotro no malemy." 39Dia lôsogno koa Izy nisintaka hely aveo nivavaka, ary dia nagnampôdy ny koragna natany taloha faogna.40Nimpôdy koa Izy dia nahita zareo nandry, fa navaisatra ny tôromaso ny mason-jareo ary tsy hain-jareo raha nikoragnigny taminazy.41 Nagnatogno ampagnintelony Izy kay novaolagna zareo hoe: "Mboala mandry ndraiky mangala disaka faogna moa areo? Haoka aky zay! Afa tonga ny fotoagna. Zahavo! Ny Zanak'ôlogno nivadiahagna hamiagna akeo an-tagnagna mpanota. 42Mitsangàna; ndahy handaiha atsika. Zahavo, afa marikitry lehy hamadiky Zaho."43Ary mboala teo am-pivolagnagna Izy, dia havy Jodasy, araiky amin'ny reo roambinifôlo lahy, niaraka tamin'ny vahoaka fôntry zay nilanja meso sindraiky sabôha, avy amin'ny reo lôhan'ny mpisôrogno, ny mpanôratra lalàgna, avakeo ny sojabe.v 44 Ary lehy mpamadiky Azy nagnamia famantaragna zareo, nivaolagna hoe: "Lehy rôfiky, Izy lehy Izy. Sambôro Izy dia iambaiso."45 Koafa havy Jodasy, tonga dia nagnatogno an'i Jesôsy izy salakady nivaolagna hoe: "Mpagnanatra," ary niôroko Azy izy. 46Aveo dia nisambôrin-jareo Jesôsy.47Fao nisy araiky tamin-jareo nitsangagna teo nagnaboaka ny meso ary namango lehy mpanompon'ny mpisoronabe kay nanapaka ny sôfiny.48 Nivaolagna Jesôsy tamin-jareo hoe: "Avy hanambotro Zaho, karaha ny hanambotro dahalo, miaraka amin'ny meso sindraiky sabôha moa areo? 49Tamin'ny Zaho taminareo isan'andro ndraiky nagnanatra teo amin'ny fiangonagna , tsy nisambôrinareo. Fao natao zao mbô hagnatantairaka ny Saoratra Masigny."50Kay niala Azy aby reo jiaby niaraka tamin'i Jesôsy ary nipariaka.51Ary nisy tôvolahy araiky, tsy nitsabo lamba izy koa tsy lamba hariry faogna, nagnaraka Jesôsy. Koafa nisambôrin'ôlogno izy52 dia nambailany teo ny akanjony kay lôsogno nilaifa tsy nisikigny izy.53Nindesin-jareo tagny amin'ny mpisoronabe Jesôsy. Niaraka nivôry taminazy teo aby ny mpisôrogno jiaby, sindraiky ny sojabe, avakeo reo mpanoratra lalàgna.54 Ary Petera nagnaraka Azy avy akagny lavidavitry akagny, bariky amin'ny tokotan'ny mpisoronabe. Nantotry teo amin'ny reo mpiambigny izy, lehy namindro teo marikitry môtro.55Ary reo lôhan'ny mpisôrogno sindraiky ny Synedriona Jiosy dia nizaha tomoa manohitry an'i Jesôsy mbô hahavitan-jareo mamono Azy hofoaty. Kanaifa tsy nahita zareo. 56Fa maro ny nagnambara vandy Aminazy, naifa na ny fagnambaran-jareo aby tsisy porofony aby.57Ary nisy ôlogno sanany nitsangagna kay navandy taminazy; nivaolagna zareo:58 " Regninay Izy nivaolagna hoe: ' Haratiky tô tragno fiangonagna natao tamin'ny tagnagna tô, ary hafaka telo andro Zaho dia hagnatsangagna araiky hafa tsy natao tamin'ny tagnagna.'"59 Fa mboala tsy nifagnaraka amin'ny zany faogna ny fagnambaran-jareo.60Ary ny mpisoronabe nitsangagna teo amin-jareo dia nagnontany an'i Jesôsy hoe: " Tsy managna raha hamaliagna moa anao? Ino zany hampangan'ny reto ôlogno reto Anao zany?"61 Fao nangigny Izy salakady tsy namaly na ino na ino. Dia mboala nagnontany Azy koa ny mpisoronabe kay nagnano hoe: "Anao moa Kristy, Zanaka lehy voatahy?62 Dia nivaolagna Jesôsy hoe: " Zaho tatô boeny; aveo ho hitanareo ny Zanak'ôlogno koafa mantotry akeo an-tagnagna ankaherin'ny angôvon-Jagnahary ndraiky avy akagny amin'ny rôndron-dangitry."63Ary ny mpisoronabe nagnatriaka ny lambany salakady nagnano hoe: "Mboala mila tomoa fogna moa atsika?64 Afa regninareo ny fivolagnan-dratsy. Ino ny fanapahan-kevitriareo? Zareo jiaby dia samby nagnameloko Azy karaha ôlogno magniaiva hofoaty. 65Ny sasany nanomboko nandrora Azy avakeo nandakotro ny soranazy kay namboko Azy ary nivaolagna taminazy hoe: "Maminagnia!" Ary reo manam-bogninahitry nangala Azy kay namboko Azy.66Ary raha teo ambany teo amin'ny banja Petera, dia nagnatogno azy ny araiky tamin-jareo mpanompo vaiavin'ny mpisoronabe. 67Nahita an'i Petera nitsangagna namindro teo amin'ny môtro izy, dia nizahavany marikitry. Dia nivaolagna izy taminazy hoe: "Anao koa mbô niaraka tamin'ny lehy Nazarena Jesôsy." 68Fao izy tsy nagneky zany, nagnano hoe : "Tsy haiky salakady tsy azoko raha koragninareo zany." Avakeo lôsogno niala ny banja izy. [Fagnamariahagna: reo fandikagna sanany magnampy hoe: "Dia nagneno ny akôho," fao reo fandikagna talôha tegna tsara dia tsisy io teny io.]69Fao lehy zaza vaiavy teo nahita azy dia nanomboko nivaolagna tamin-jareo ôlogno nitsangagna magnodidigny koa hoe: "Io lalahy io dia araiky amin-jareo! 70Fao mboala tsy nagneky zany koa izy. Afaka tateky hely dia nivaolagna reo lehy nitsangagna narikitr'i Petera hoe: "Taigna araiky naman-jareo anao, satria anao koa mbô Galiliana."71Fao nanomboko nagnôzon-taigna sady nifanta izy hoe: "Tsy haiky zany lalahy koragninareo zany."72 Ary niaraka tamin-jany dia nagneno ampagnindroany ny akôho. Avakeo dia nahatsiaro ny koragnan'i Jesôsy taminazy Petera hoe: "Raha tsy mboala magneno ampagnindrony ny akôho , dia hiala zaho in-telo anao," Dia nalahelo fatatra izy salakady nitomoagny.Chapter 15
1Naraindrain-dahy, dia nivôry ny mpisoronabe niaraka tamin-jareo sojabe ndraiky zareo mpanoratra làlagna ary ny Synedriona jiosy jiaby. Nitadian-jareo Jesôsy aveo nindesin-jareo niboaka. Natôlotro zareo teo amin'ny Pilato Izy. 2Nangnontany Azy Pilato hoe: " Anao moa Mpanjakan'ny jiosy?" Nivaliany hoe: "Zaho tatô be." 3Nivaolagna fiampangagna maro manohitry Jesôsy zareo lohan'ny mpisôrona.4Nagnintany Azy ndraiky Pilato hoe: "Tsy magnamia valin-teny moa Anao? Zahavo ny hamaroan'ny fiampangagna nindesin-jareo manohitry Anao!" 5Fao tsy namaly an'i Pilato eky Jesôsy, dia nahagaga azy zany.6Ary tamin'ny andro firavoravoagna, dia namôtsotro gadra araiky hoan-jareo faogna Pilato, gadra lehy angatahin-jareo. 7Niaraka tamin-jareo mpikomy tao an-gadra, tao amin-jareo mpamono ôlogno zay voatagna nohon'ny fandraisan-jareo anjara tamin'ny fikomiagna, dia nisy lalahy araiky antsôvigny hoe Barabasy. 8Dia nandaiha tamin'i Pilato vahoaka kay nanomboko nangataka taminazy mbô hagnano amin-jareo karaha lehy fatany tagny talohaka.9Pilato namaly zareo kay nagnano hoe: "Tianareo moa raha ny Mpanjakan'i Jiosy no halaifako aminareo?" 10Satria hainy fao fialaognagna no nanoloran'ny lohan'ny mpisôrogno an'i Jesôsy taminazy. 11Fao nagnaintagna vahoaka zareo lohan'ny mpisôrogno mbô hangaiky mafy fao tôkony ho Barabasy sintrany no havôtsotro.12Dia namaly zareo ndraiky Pilato kay nagnano hoe: "Ino ary zany no tôkony hatako amin'ny Mpanjakan'ny Jiosy?" 13Dia nangaikingaiky ndraiky zareo hoe: "Homboy Izy!"14Nivaolagna Pilato tamin-jareo hoe: "Ino moa ratsy natany?" Fao nangaiky mafy faogna zareo hoe: "Homboy Izy." 15Tehagnano zay mahafa-pô zareo Pilato, koa dia nalaifany ho nihin-jareo Barabasy. Nipopohiny Jesôsy ary aviteo namiany mbô hombogny.16Nindesin-jareo miaramila ho akeo amin'ny banja Izy (zay agnivon-toeran' ny fanjakagna), ary nantsôvin-jreo aby ny antoko miaramila jiaby. 17Nampisikinin-jareo lamba vôlomparasy Jesôsy, ary nitaly fehiloha fatsiky zareo kay nagnapaitraka zany taminazy. 18Dia nanomboko niarahaba Azy zareo ary nivaolagna hoe: "Arabaigny, Mpanjakan'ny Jiosy!"19Nipopohin-jareo tamin'ny volotara ny lohany salakady nandrora taminazy. Dia nandongoalitry talaohany zareo mody nidaira Azy. 20Koafa avy nankalaifaka Azy zareo, dia nalan-jareo taminazy ndraiky ny lamba vôlomparasy avakeo nampanaovin-jareo Azy ny fitafiany manokagna, ary dia nindesin-jareo niboaka Izy mbô hagnomboagna Azy. 21Niteren-jareo ny mpandaiha araiky zay avy tagny an-tsaha mbô hilanja ny kakazofijaliagn'i Jesôsy, lalahy araiky antsôvigny hoe Simona Kyreniana baban'i Aleksandra ndraiky Rafôtsy.22Nindesin-jareo miaramila tagny amin'ny tany antsôvigny hoe Golgota Jesôsy (Zay midika hoe "Toeran'ny haran-doha"). 23Namianjareo divaigny nifangaro miora Izy, fao tsy nigiaka zany Izy. 24Dia nohomboan-jareo Izy ary nifampizaran-jareo tamin'ny alalan'ny ankitsapaka ny lambany mbô hahaizagna zay ampahany raisin'ny miaramila tsiraikiraiky.25Tamin'ny laira fahatelo Izy no nohomboan-jareo. 26Ary tamin'ny takailaka kakazo araiky no nanoran-jareo ny fiampangagna nanohitry Azy hoe: "Mpanjakan'ny Jiosy." 27Dahalo aroa no niaraka nohomboan-jareo taminazy, ny araiky tamin'ny ankaheriny ary ny araiky koa tamin'ny ankaviany. 28[Fagnamarihagna: Ireo fandikagna taloha taigna tsara dia tsy magnisy ny Marka 15:28 hoe: "Dia tantairaka ny Soratra Masigny magnano hoe: 'Natao ho agnisan'ny mpanota Izy.' (Ampitahafo ny Lioka 22:35)]29Ireo zay nandalo teo dia nagnaratsy Azy, nagnitokitodoha ary nagnano hoe: "Aha! Anao lehy afaka mandaravagna ny tempoly ary magnorigny zany ao agnatin'ny telo andro, 30avaoto ny haigninao avakeo mijotsoà avy akeo amin'io kakazofijaliagna io!"31Ny lohan'ny mpisorona koa dia nankalaifaka Azy mitôvy zany, niaraka tamin-jareo mpanaoratra làlagna, ary nivaolagna hoe: "Nagnavotro ny hafa Izy, kanaifa tsy mahavotro ny haigniny. 32Aoka lehy Kristy, lehy Mpanjakan'iIsraely, hirorogna avy akeo amin'ny kakazofijaliagna, biaka hitanay ary hinoanay," avakeo zareo nohomboagny niaraka taminazy koa dia nankalaifaka Azy.33Tamin'ny laira faha enigny, dia homby tamin'ny tany jiaby ny hizigny hatramin'ny laira fahasivy. 34Ary tamin'ny laira fahasivy zany dia nangaiky tamin'ny feo mafy Jesôsy hoe: "Eloy, Eloy, lamà Sabakintany?" zay antsôvigny hoe: " Zagnahary, Zagnahary, nagnino moa Anao nahafo Zaho? 35Ny sasany tamin-jareo zay nitsangagna teo naharegny vaolagnanazy kay nivaolagna hoe: "'Zahavo, magnantso an'i Elia Izy."36Nisy ôlogno araiky nihazakazaka, nagnidigny divaigny marikivy ny eponzy, ary nagnapaitaka zany tamin'ny volotara, dia nagnamia zany higiahiny. Lehy lalahy nivolagna hoe: "Ambilao ho hitanay asa ho avy hampirôrogno Azy akeo Elia." 37Avakeo Jesôsy nangaiky tamin'ny feo mafy dia maty. 38Triaka nizara aroa hatragny ambony sy bariko ambany ny lamban'ny tempoly.39Koafa hitan'ny lehy kapiteny zay nitsangagna salakady nifagnatitry tamin'i Jesôsy fao maty tamin'ny zany faomba zany Izy, dia nivolagna izy hoe: "Taigna Zanaka Zagnahary marigny io lalahy io." 40Dia nisy vaiavy koa nizaha tagny lavitry tagny. Agnisan'izany Maria Magdalaina, Maria (Ninin'i Jakoba zandriny ndraiky Josesy), ary Salome. 41Tamin'Izy tagny Galilia dia nagnaraka Azy aveo nanompo Azy zareo. Ary vaiavy maro hafa koa niara-niakatra taminazy tagny Jerosalema.42Koafa avy ny haligny, satria andro fiomanagna, zany hoe, andro alaohaka sabata io, 43dia avy teo Josefa avy akagny Armatia. Mpikambagna hajaigny ao amin'ny Synedriona izy, zay nandigny ny Fanjakagnan-Jagnahary. Nanam-pahasahiagna izy nandaiha tagny amin'i Pilato hangaho fatin'i Jesôsy. 44Gaga Pilato hoe afa maty edy Jesôsy; dia nantsoviny lehy kapiteny ary nagnontany azy izy raha maty Jesôsy.45koafa nahazo antoko tamin'lehy kapiteny izy fa maty jesôsy, dia namiany an'i Josefa ny fatiny. 46Ary Josefa nividy hariry madiniky. Nampirôrogno Jesôsy teo amin'ny kakazofijaliagna izy, dia namono hariry madiniky Azy, avakeo nagnapaitraka Azy tamin'ny fasagna zay nilavahigny tao amin'ny vatolampy. Aveo namôdy vato teo amin'ny tamiam-pasagna izy. 47Dia hitan'i Maria Magdalena ndraiky Maria renin'i Josesy ny toeragna nandivaignagna Azy.
Chapter 16
1Koafa tapitry ny andron'ny sabata, dia nivanga raha mangitry hisoragna amin'ny fatin'i Jesôsy i Maria Magdalena sindraiky Maria renin'i Jakoba, avakeo Salome nivanga hagnitry mbô handaiha aveo koa hagnôsotro ny fatin'i Jesôsy. 2Vao miraizava tamin'ny andro voalohan'ny herigniandro, dia nandaiha tam-pasagna zareo koafa niboaka ny masôva.3Dia nifampivaolagna zareo hoe: "Zôvy moa hanokatra ny vato akeo amin'ny varavaram-pasagna mbô hidirantsika? 4Koafa nianko lôha zareo, dia nahita fao nisaokatra niala ny vato, lehy taigna giaida aby.5Nitsôfotro tao am-pasagna zareo kay nahita tôvolahy nitsabo akanjo fôtsy, nantotry teo an-kahery, avakeo dia gaga zareo.6Dia nivaolagna izy tamin-jareo hoe: "Aza ambory. Mizaha an'i Jesôsy moa areo, lehy Nazarena, lehy nohombogny. Nitsangagna izy! Tsy aketo izy. Zahavo ny toairagna zay nambilan-jareo azy. 7Fao mandihiana, koragno reo mpianany avakeo Petera fao handaiha alohak'areo agny Galilia Izy. Akagny no hahitanareo azy, araka lehy nivolagniny taminareo."8Niboaka zareo kay nilomoay niala ny fasagna; nangitakitaka salakady gaga zareo. Tsy nivaolagna na ino na ino tamin'ôlogno zareo satria taigna ambory fatatra.9[Fagnamariahagna : Ny fandikagna taloha taigna tsara dia mangala ny Marka: 16: 9-20] Vao miraizava tamin'ny andro voalohan'ny herigniandro, tafarany Izy nitsangagna, dia niboaka tamin'i Maria Magdalena maloha izy, lehy nandroahany masantôko fito. 10Kay lôsogno Maria avakeo nivaolagna ny vaovao tamin-jareo niaraka tamin'i Jesôsy, raha mboala nisaona aveo nitomoagny zareo. 11Regnin-jareo fao velogno Izy avakeo nahita Azy izy, kanaifa tsy nankatô zareo.12[Ny fandikagna taloha taigna tsara dia mangala ny Marka16: 9-20] Tafaran'ny reo raha reo Jesôsy dia niboaka tamin'ny fomba hafa tamin'ny aroa tamin-jareo, koafa nandaiha hankagny an-tanàgna zareo. 13Dia lôsogno zareo, avakeo nivaolagna tamin'ny reo mpianatra tavaila, kanaifa tsy nankatô zareo.14[Fagnamariahagna: Ny fandikagna taloha taigna tsara dia ny magnala ny Marka16: 9-20] Tafara hely dia niboaka tamin'ny araiky ambinofôlo lahy Jesôsy raha mboala teo am-pihinanagna zareo, avakeo novaolagna mafy zareo Izy nohon'ny tsy finoagna avakeo hamafisan'ny fôn-jareo, satria tsy nankatô zareo zay nahita azy tafaran'ny nitsanganany tamin'ny maty zareo. 15Ary nivaolagna Izy tamin-jareo hoe: "Mandihiana akagny amin'ny tany jiaby, avakeo ambarao amin'ny ôlogno jiaby ny vaovao maharavoravo.16Lehy mankatô ndraiky atao batisa no vonjegny, avakeo lehy tsy mankatô ndraiky dia ho sazigny.17[Fagnamariahagna: Ny fandikagna taloha taigna tsara dia magnala ny Marka 16: 9-20] Reto famantaragna reto dia hizôhy reo zay mankatô: Amin'ny agnaragnanaha no handroasan-jareo masantôko. Hivaolagna amin'ny fininagnagna tsy hainy zareo. 18Hangala mainapitsoko amin'ny tagnagna zareo, avakeo koa migiaka raha mahafaty zareo, dia tsy hampagnino zareo zany. Hagnapaitraka tagnagna amin'ny marary zareo, dia hahivagna regny."19[Fandikagna taloha taigna tsara dia mangala ny Marka 16: 9-20] Koafa avy nikoragna tamin-jareo ny Tômpo, dia nampiakarigny akagny an-dangitry Izy aveo nantotry akeo an-tagnagna ankaherin-Jagnahary. 20Dia lôsogno reo mpianatra nitory teny tamin'ny tany jiaby, avakeo Tômpo niara-niasa tamin-jareo aveo nakamafy teny tamin'ny alalan'ny famantaragna zay niaraka tamin-jareo.Luke
Chapter 1
1Maro reo niaizaka nanaoratra tantara mahakasiky reo raha nitranga tantairaka teto amintsika, 2araka zay afa nanolaoran-jareo azy tamintsika, zay afa antomoa nagnatri-maso aveo mpanompon'ny teny rango am-panombaohagna. 3Ary aminaha koa karaha manjary—koafa nagnadihady tsara ny fandaihan-draha jiaby rango amboalaohany—ny hanaoratra tatitry araka ny filaharany ho nihinao, ry Teofilo hajaigny. 4Zany dia mbô hahaizanareo ny marigny mahakasiky reo raha zay nampianarigny anao.8Ary zany dia mahakasiky Zakaria teo fagnaitrahan-Jagnahary, nagnatantairaka reo asan'ny fisorognagna araka ny fifandibiasan'ny isan-tokony. 9Araka ny fomba fatan-jareo ny amin'ny fisafidianagna mpisôrogno zay tôkony hanompo, dia voafidin'ny kodia hely hiditry hagnoro ny hemboko mangitry an-tempolin'ny Tompo izy. 10Tamin'ny fotoagna nagnoroagna ny hemboko mangitry dia nivavaka tegny ambailany ny vahoaka jiaby.14Hanan-karavoagna ndraiky haravoagna anao, avake maro koa no horavo amin'ny fahatirahany. 15Satria ho gaida izy akeo imason'ny Tompo. Tsy higiaka divay na raha figiahigny mahery velively izy, aveo ho feno Fagnahy Masigny rango ankibon-dreniny izy.18Avakeo Zakaria nivaolagna tamin'ny lehy anjely: "Akôry no ahaizako zany? Fao zaho afa antilahy aveo vadiky taigna afa hantitry." 19Avakeo nivaolagna anjely namaly vaolagna taminazy: "Zaho no Gabriela, lehy mitsangagna eo agnatraihan-Jagnahary. Avakeo voahiraka zaho mbô hivaolagna aminao, hitondra zao vava tsara zao aminao.20 Koa tô! Ho moana anao, kay tsy afaka hivaolagna, mandra-piavin'ny andro hiboahan'ny raha reo. Satria tsy nino vaolagna naha anao, zay ho tantairaka amin'ny fotoagna voafaitra."24Tafaran'ny reo andro reo, dia nanagnanaka Elizabeta aveo nivôny nandritran'ny dimy volagna. Nivaolagna izy: 25"Zao no nitsabon'ny Tompo aminaha koafa nitsinjo zaho Izy mbô hangala haingatra eo agnatraihan'ny ôlogno."30Hoizy anjely taminazy: "Aza ambory Maria, fao afa nahita sitraka tamin-Jagnahary anao. 31Tô, hananjanaka anao kay hitairaka zaza lalahy. Ary ny agnarany ho antsôvinao 'Jesôsy.' 32Ho gaida Izy aveo ho antsôvinao hoe Zanaka ny taigna agnambo. Ny Tompo Zagnahary hagnamia Azy ny dabilio fiandrianan'i Davida razambeny. 33Ary hanjaka bariky dintany amin'ny tamingan'i Jakoba izy, ary tsy hanam-pahatapairagna ny fanjakany."34Hoizy Maria tamin'ny lehy anjely: "Akôry no hiboahan'ny zany, fao mbôla tsy niaraka nandry tamin'ny lalahy zaho? 35Ny anjely namaly ndraiky nivaolagna: "Hilatsaka aminao ny Fagnahy Masigny, aveo ny angôvony taigna agnambo hoavy aminao. Kay lehy masigny ho tairaka dia hoantsôvigny Zanaka Zagnahary.36Tô, Elizabeta havanao dia nananjanaka lalahy koa na dia tamin'ny fahanterany aby. Afa faha enimbaolany nihinazy zeo, izy lehy nantsovigny momba. 37Satria tsisy raha tsy hoazo tantirahigny amin-Jagnahary." 38Hoizy Maria: Tô, zaho no mpanompovavin'ny Tompo. Aoka ho tantairaka aminaha zany araka ny hafatrao.'' Ary niala teo aminzay ny anjely.42Nampiaka-peo ndraiky nivaolagna mafy izy nagnanjao: "Voatahy mihoatra nohon'ny vaiavy jiaby anao, avakeo voatahy ny natairaky ny kibonao. 43Nagnino zany no mitranga aminaha fao lehy regnin'ny Tompo no havy hagnatogno zaho? 44Fao tô, koafa havy tan-tsôfigny naha ny fiarahabagnanao, dia niainta-kaintagna ny zaza ato an-kibonaha. 45Sambatra izy zay nino fa ho tantairaka reo raha zay nivolagniny Tompo taminazy."46Hoizy Maria: "Midaira ny Tompo ny fagnahiky, 47aveo ny fagnahy naha niravo tao amin-Jagnahary mpagnavotro zaho.52Nahongany tamin'ny dabilio fiandrianany ny zanaka lahin'ny mpanjaka aveo reo ambany nakariny.53 Natany vôky raha tsara reo tihinagna, fao ny mpanan-kariagna nampôdiny tsy nanagna na ino na ino.54Nagnamia fagnamiagna Israely mpanompony Izy, mbô hahatsaraovany hagnaboaka famindram-pô 55(araka ny nikoranigny tamin'ny reo iadantsika) tamin'i Abrahama ndraiky ny tamingany bariky dintany.''56Nijanogno nidôko tao amin'i Elizabeta tôkony ho telo vaolagna i Maria ary avakeo nimpôdy nôdy tagny an-tragnony.57 Ary havy ny fotoagna hitirahan'i Elizabeta ny zanany aveo nitairaka zaza lalahy izy.58 Nagnaboaka ny famindram-pô goalahy nitsabon'ny Tompo taminazy reo mpiara-monigny ndraiky reo havany, avakeo niaraka ravoravo tamin-jareo.62Nagnano baiko moana tamin'ny iadany zareo ny amin'ny tiany hoatao agnarany.63 Nangataka solaitry fanoroatagna ny iadany aveo nanaoratra nagnanjao: "Jaona no agnarany." Aveo gaga tamin'ny zany izy jiaby.64Aveo niaraka tamin'ny zay dia nisaokatra ny vavany avakeo nafahagna ny lailany. Nivaolagna izy aveo nidaira Zagnahary. 65Tonga tamin-jareo jiaby nagnodidigny zareo ny hamboriagna. Avakeo niparitaka airaka ny tanagna ambony Jodia ny raha niboaka jiaby teo. 66Ary reo jiaby naharegny reo dia nalaka regny am-pôny, aveo nivaolagna nagnanjao: "Hanjary ino ary tô zaza tô?" Fao mahakasiky azy ny tagnan'ny Tompo.67Aveo feno Fagnahy Masigny i Zakaria iadany avakeo naminagny, kay nivaolagna: 68"Deraigny ny Tompo, Zagnaharin'Israely, fao tonga nagnampy ndraiky nagnatantairaka fagnafahagna amin'ny vahoakany Izy.76Ia, ary anao, zaza, dia ho antsôvintsika ho mpagnazarin'ny taigna agnambo, fao handaiha alaoaka ny tavan'ny Tompo anao aveo hagnajary lalagna nazy, mbô hagnomanagna ny ôlogno ny amin'ny fiaviagnany,77 mbô hagnamia fahalalam-pamonjiagna hoan'ny ôlogno anazy amin'ny alalan'ny famotsaoragna ny heloko njareo.78Zany no hiboaka dia nohon'ny famindram-pô masin-Jagnaharintsika, nohon'ny amin'izany no hiboahan'ny masaova avy amin'ny agnambo biaka hoavy hagnampy atsika, 79hagnazava zareo zay mibidôko ao agnatin'ny hizigny ndraiky reo ao agnatin'ny hizigny fahafataisagna. Hitsabony zany biaka hitarihany ny hongotro ntsika amin'ny lalam-pagnavaotagna."80Aveo ny zaza dia nitômbo ary tonga nahery amin'ny fagnahy, aveo tagny antany maty izy mandrapahavian'ny andro hiboahany mibaribary amin'Israely.
Chapter 2
1Avakeo tamin'ny zany andro zany, dia nagnandaifa didy mibeko ny hagnisahagna ny ôlogno jiaby miaigny eto amin'izao tontolo zao Aogosto Kaisara. 2Zany no fagnisaham-bahoaka voalaohany tamin'i Kyrenio no nanapaka tagny Syria. 3Noho zany ny ôlogno jiaby dia nagnagny amin'ny tanagna naviany aby mbô hisoratagna agnaragna hoan'ny fagnisam-bahoaka.4Dia nandaiha nakatra avy tagny Galilia koa Josefa, avy tagny an-tanagnan'ny Nazareta, hoagny Jodia, tanagnan'i Davida zay antsôvigny hoe Betlehema, satria izy avy akagny amin'ny tragno ndraiky fianakavian'i Davida. 5Nandaiha tagny izy mbô hisaoratra agnaragna niaraka tamin'i Maria, zay fofom-badiny aveo nanagnanaka.6Aveo raha mbôla tagny zareo, dia tonga ny fotoagna hitirahany zanany.7 Nitairaka zaza lalahy izy, zanany voalaohany, aveo izy nandrakotro lamban-jaza Azy ndraiky nampandry Azy tamin'ny valan'aomby, satria tsisy toairagna hoan-jareo tao amin'ny hotely.10Dia nivaolagna tamin-jareo ny anjely nagnanjao: "Aza ambory, fao hitondra vava tsara zahay hitondra haravoagna gaida hoan'ny ôlogno jiaby zaho. 11Niany dia nisy mpagnavotro zay tairaka hoanareo akagny antanagnan'i Davida! Izy no Kristy Tompo! 12Zao no famantaragna zay hamiaga areo: Hahita zazahely mirakotro lamban-jaza avakeo mandry eo amin'ny valan'aomby areo."13Tampoko teo niaraka tamin'lehy anjely, dia nisy tafiky ny langitry gaida nidaira Zagnahary nagnanjao: 14"Vogninahitry ho amin-Jagnahary akagny amin'ny taigna agnambo, aveo hisy fiadanagna eto an-tany amin'ny ôlogno zay ankasitrahiny."15Ary koafa niala tamin-jareo nankagny an-dangitry reo anjely, ny mpiambigny ondry nifankoragna nagnanjao: "Andaiha atsika zeo hoagny Betlehema, aveo hizaha zany raha nitranga zany, zay nambaran'ny Tompo atsika zany." 16Nandaiha nalaky tagny zareo aveo nahita Maria ndraiky Josefa, avakeo nahita ny zaza hely nandry tao amin'ny valan'aomby.17Tafaran'ny nahitan-jareo Azy, dia nambaran-jareo ny raha jiaby nikoranigny zareo mahakasiky zaza io. 18Zay jiaby naharegny zany dia gaga ny amin'ny nivolagnan'ny mpiambigny ondry tamin-jareo. 19Fao Maria ndraiky nanôhy nimenimeny mahakasiky ny raha jiaby zay regniny, aveo nikajy regny tam-pônazy. 20Nimpôdy reo mpiambigny ondry, nagnamia vogninahitry ndraiky nankalaza Zagnahary noho ny raha jiaby zay regnin-jareo ndraiky hitan-jareo, araka zay nivolaigny tamin-jareo.21Nohony tapitry ny andro fahavalo, koafa noforàgna Izy, dia namiagna agnaragna hoe Jesôsy, lehy agnaragna namian'ny anjely Azy talaohan'ny namitrahagna Azy tan-kibo.22Ary koafa dila ny isan'andro nitakiagna hidiovany, araka ny lalan'i Mosesy, dia ninday Azy nakatra hoagny an-tempoly tao Jerosalema Maria ndraiky Josefa mbô hanôlotro Azy eo amin'ny Tompo. 23Araka zay voasaoratra ao amin'ny lalàn'ny Tompo magnanjao: "Ny lalahy jiaby zay volaohany tairaka dia hataokagna ho an'ny Tompo." 24Noho zany dia nanôlotro sôrogno araka zay nikoranigny ao amin'ny lalàn'ny Tompo zareo, "domohigny aroa na zanaka voromailala aroa."25Ary tô, nisy lalahy tagny Jerosalema, Simona agnarany, aveo lalahy zany dia marigny ndraiky mafana fô. Nitady ny fampiononagna Israely izy, aveo taminazy ny Fagnahy Masigny. 26Nambaran'ny Fagnahy Masigny taminazy fao tsy hahita fahafataisagna alaohan'ny ahitavan'ny Kristin'ny Tompo izy.27Nitarihin'ny Fagnahy, nagnagny an-tempoly Simona. Koafa ninday Jesôsy zazahely niditry ny ray aman-dreniny, mbô hagnano Azy araka ny fomba ao amin'ny lalàgna, 28dia niraisiny ho egny an-tagnany Izy sady nidaira Zagnahary nagnanjao:29 "Izeo ambilao andaiha am-piadanagna ny mpanomponao, Tompo, araka ny vaolagna nao.30Fao masoanaha nahita ny famonjianao, 31zay nomaninao teo amin'ny fagnatraihan'ôlogno jiaby: 32Dia fahazavagna ho fagnambaragna ho an'ny Jentilisa aveo vogninahitry hoan'Israely ôlognoa."33Ny iada ndraiky ninin'lehy zaza dia sondriagna tamin'ny raha nivolagniny mahakasiky Azy. 34Nitso-drano zareo Simona aveo nivaolagna tamin'i Maria nininy nagnanjao: "Igny, tô zaza tô dia voatendry hoamin'ny fandavoagna ndraiky fagnandratagna ny ôlon'Israely maro aveo ho famantaragna zay nilavigny 35avakeo hoisy meso handoaka ny fagnahinao—mbô ho voavaolagna ny hevitry ny fô maro."36Nisy mpagnazary vaiavy araiky atsôvigny Ana teo. Zanakavavin'i Fanoela avy amin'ny foko Asera izy. Taigna hantitry izy. Nidôko niaraka tamin'ny vadiny fito taogno tafaran'ny nahavirijiny azy izy, 37aveo mpitondra taigna nandritry ny aifatra amby valopôlo tagno. Tsy niala tempoly velively izy fao nanompo tamin'ny fifadian-kanigny ndraiky vavaka, andro aman'aligny. 38Tamin'ny zany fotoagna zany dia nagnatogno narikitry zareo izy aveo nanomboko nagnamia fisaoragna Zagnahary ndraiky nivaolagna ny mahakaisiky lehy zaza tamin'ny ôlogno jiaby zay nandigny fagnavaotagna Jerosalema.39Koafa nahavita raha jiaby nasaigny nitsabogny araka ny lalàn'ny Tompo zareo, dia nimpôdy tagny Galilia, agny amin'ny tanagnan-jareo agny Nazareta. 40Nahay gaida ny zaza aveo nahay natanjaka, nitômbo fahindriagna, aveo ny fahatsaran-Jagnahary taminazy.41Ny ray aman-dreniny dia nankagny Jerosalema isantagno hamonjy ny firavoravoagnan'ny Paska.42 Koafa aroa ambiny fôlo tagno Izy, dia nandaiha nagnagny araka ny fomba fatao amin'ny fety indraiky zareo. 43Avakeo koafa avy nitoby tagny nandritry ny andron'ny fety jiaby zareo, dia nanomboko nimpôdy nôdy zareo. Fao Jesôsy zazalahy nijanogno tagny Jerosalema naifa tsy hainy ny ray aman-dreniny zany. 44Sambaran-jareo fao niaraka tamin'ôlogno niara-dia tamin-jareo Izy, dia nandaiha nandritry ny andro araiky zareo. Ary aveo dia nanomboko nitady Azy tagny amin'ny reo havany ndraiky reo namany zareo.45Koafa tsy hitan-jareo Izy, dia nimpôdy tagny Jerosalema zareo kay nanomboko nitady Azy tagny. 46Koafa afaka teo andro, dia hitan-jareo tao an-tempoly Izy, nidôko tagnivony reo mpampianatra, nitandregny zareo ndraiky nagnapaitraka fagnontaniagna tamin-jareo. 47Zay jiaby naharegny Azy dia sondriagna tamin'ny fahaizany ndraiky reo valim-pagnontaniagnany.48Koafa nahita Azy zareo, dia sondriagna. Ny nininy nivaolagna taminazy nagnanjao: "Zanako, nagnino anao nitsabo karah tô zahay? Tandrignaiso, zaho ndraiky iadanao nitady anao tamin-tebiteby." 49Izy nivaolagna tamin-jareo: "Nagnino moa areo nitady Zaho? Tsy hainareo moa fao tsy maintsy ho an-tragnon'ny Iadako Zaho?" 50Fao tsy azon-jareo zay tiany hikoragnigny tamin'ny zany koragna zany.51Dia nôdy niaraka tamin-jareo tagny Nazareta Izy sady nankatô zareo. Ny nininy dia nikajy zany raha jiaby zany tam-pônazy.52 Fao Jesôsy nahay nitômbo fahindriagna ndraiky nitômbo vatagna, aveo nitômbo fitiavagna tamin-Jagnahary ndraiky ny ôlogno.
Chapter 3
1Tamin'ny tagno faha dimy ambin'ny fôlo nanjakan'i Tiberia Kaisara—fony Pontio Pilato no goverinoron'ny Jodia, Heroda dia mpanapaka tao Galilia, Filipo rahalahiny dia mpanapaka tao amin'ny faritry Itoria ndraiky Trakonitisy, aveo Lysania dia mpanapak'i Abilena, 2nandritry ny fisoronam-ben'i Anasy ndraiky Kaiafa—dia tonga tamin'i Jaona Zanaka lalah'i Zakaria tagny antany maty ny koragnan-Jagnahary.4Araka ny voasaoratra ao amin'ny bokin'ny tenin'Isaia mpagnazary magnanjao: "Nisy feo araiky nagnantso mafy avy agny antanimaty: 'Atôvy vôgnogno ny lalan'ny Tompo, atôvy mahitsy ny lalagna mboany.7Koa nivaolagna tamin'reo vahoaka zay avy ho tsabogny batisa Jaona nagnanjao: "Areo tamingany mainapitsoko! Zôvy no nampitandrigny areo mbô hilaifa fahatizairagna hoavy?8Noho zany, mamokàra voa magnaiva fibaibahagna, aveo aza mivaolagna agnitinare magnanjao: 'Zahay managna Abrahama ho iadanay,' fao mivaolagna areo zaho fao Zagnahary afaka manangagna zanaka ho nihin'i Abrahama avy amin'ny reto vato reto.9Zeo aby famaky dia mibidôko amin'ny fôto-kakazo ao. Koa ny kakazo jiaby zay tsy mamoa voa tsara dia voatevy avakeo atopy agny amin'ny môtro."14Miaramila fôntry koa nagnontany azy, nivaolagna nagnanjao: "Akôry mahakasiky zahay? Ino tsy maintsy tsabonay?" Izy nivaolagna tamin-jareo: "Aza mangala vaola amin'ny ôlogno an-keriny, aveo aza magnambara vandy ôlogno. Miravoa amin'ny karamanareo."15Aveo raha nandigny mafy ny fahatongavan'i Kristy ny vahoaka, dia nagnontany tam-pôny mahakasik'i Jaona ny tsiaraikiaraiky, na mety hoizy na tsy izy no Kristy.16 Jaona namaly tamin'ny fivolagnagna azy jiaby nagnanjao: "Raha ny aminaha, dia mitsabo batisa areo amin'ny rano zaho, fao misy ôlogno araiky hoavy zay mahery mihoatra zaho, aveo tsy magnaiva zaho na dia hamaha reo tadinkirarony aby. Hitsabo batisa areo amin'ny Fagnahy Masigny ndraiky môtro Izy.18Niaraka tamin'ny fagnanaragna maro hafa faogna koa, Jaona nitory vava tsara hoan'ny vahoaka.19 Heroda mpanapaka koafa nanariny nohon'ny fanambadiagna ny vadindrahalahiny Herodiasy, ndraiky nohony raha ratsy hafa jiaby zay vitany,20 dia ho fagnampiny zany jiaby zany, dia nahidiny tagny an-gadra Jaona.21Aveo, koafa vita batisa jiaby ny ôlogno jiaby, dia nitsabogny batisa koa Jesôsy, aveo raha mbôla nivavaka izy, dia nisaokatra langitry,22 avakeo Fagnahy Masigny nalaka bika tôrotro pizigny kay nijôtso taminazy, avakeo nisy feo avy tan-dangitry nagnanjao: "Anao no Zanako, tiako. Ravo Zaho nohon'ny aminao."23Koafa nanomboko ny asa fanompoany Jesôsy, dia teo amin'ny teolo-pôlo tagno teo Izy. Izy no zanaka lalahin'i Josefa (araka ny fiheveragna), 24zanak'i Hely, zanak'i Matata, zanak'i Levy, zanak'i Melky, zanak'i Janay, zanak'i Josefa.25Josefa dia zanak'i Matitia, zanak'i Amosa, zanak'i Nahoma, zanak'i Esly, zanak'i Nagay, zanak'i Mata, 26zanak'i Matatia, zanak'i Semey, zanak'i Joseka, zanak'i Joda.27Joda dia zanak'i Joanana, zanak'i Resa, zanak'i Zerobabela, zanak'i Sealtiela, zanak'i Nery, 28zanak'i Melky, zanak'i Ady, zanak'i Kosama, zanak'i Elmadama, zanak'i Era, 29zanak'i Josoa, zanak'i Eliezera, zanak'i Joreima, zanak'i Matata, zanak'i Levy.30Levy dia zanak'i Simeona, zanak'i Joda, zanak'i Josefa, zanak'i Jonama, zanak'i Eliakima, 31zanak'i Melea, zanak'i Mena, zanak'i Matata, zanak'i Natana, zanak'i Davida, 32zanak'i Jese, zanak'i Obeda, zanak'i Boaza, zanak'i Salmona, zanak'i Nahasona.36Sela dia zanak'i Kenana, zanak'i Arpaksada, zanak'i Sema, zanak'i Noa, zanak'i Lameka, 37zanak'i Metosela, zanak'i Enoka, zanak'i Jareda, zanak'i Mahalalila, zanaka'i Kenana, 38zanak'i Enosa, zanak'i Seta, zanak'i Adama, zanaka Zagnahary.
Chapter 4
1Tafaran'ny zany Jesôsy, koafa feno Fagnahy Masigny, dia nimpôdy avy tagny amin'ny reniranon'i Jordana, aveo nindesin'ny Fagnahy Masigny tagny antany maty2 zay nangalan'ny devoly fagnahy Azy nadritrany aifa-pôlo andro. Tsy nihinagna na ino na ino Izy nandritrany reo andro reo, avakeo tamin'ny fotoagna farany dia tihinagna Izy.3Ny devoly nivaolagna taminazy nagnanjao: "Raha Zanaka Zagnahary Anao, dia volagno hanjary môfo io vato io." 4Jesôsy namaly azy: "Voasaoratra magnanjao: 'Tsy môfo faogna no ivilaoman'ny ôlogno."'8Naifa Jesôsy namaly kay nivaolagna azy nagnanjao: "Voasaoratra: 'Hidaira ny Tompo Zagnahary anao, aveo Izy zeraiky faogna no ho tomponao."'9Avakeo devoly ninday Jesôsy tagny Jerosalema aveo natany tagny amin'ny farany agnambon'ny tempoly, aveo nivaolagna taminazy nagnanjao: "Koa zanaka Zagnahary Anao, milatsaha avy aketo ny haigninao. 10Satria afa voasaoratra: 'Hibeko ny anjeliny ny aminao Izy, mbô hiaro anao,' 11avakeo 'Zareo hanadratra anao amin'ny tagnany, biaka tsy ho tafintohin'ny vato ny hongotroa."'14Avakeo Jesôsy nimpôdy tagny Galilia tamin'ny angôvon'ny Fagnahy, aveo ny vava mahakasiky Azy dia afa nipariaka nagnairagna faritry magnodidigny jiaby. 15Dia nanomboko nampianatra tao amin'ny Synagogan-jareo Izy aveo niderain'ny jiaby.16Nandaiha tagny Nazareta Izy, lehy tanagna naha goalahy Azy, avakeo araka ny fomba fatany, dia nitsôfotro tao amin'ny Synagoga tamin'ny andro Sabata Izy kay nitsangagna mbô hamaky teny mafy. 17Natôlotro Azy ny horonan-taratasin'Isaia mpagnazary. Nisokoafiny lehy boky avakeo hitany ny toairagna nanoroatagna azy,20Avakeo nahôrogno ny taratasy, nampôdy tagny amin'ny mpitandrigny, avakeo nantotry Izy. Ny mason-jareo jiaby tao amin'ny Synagoga dia nizaha Azy. 21Nanomboko nikoragna tamin-jareo Izy nagnanjao: "Niany tô Saoratra Masigny tô tantairaka eo ampitandrignaisanareo." 22Jiaby tao dia nivaolagna tsara ny mahakasiky Azy aveo gaga tamin'ny koragnam-pahasoavagna zay naboakany vavany zareo, avakeo nagnontany Izy reo: "Fao tsy lehy zanaka Josefa moa tô?"23Izy nivaolagna tamin-jareo: "Azo antoko fao hivaolagna tô ôhabaolagna tô aminaha areo: 'Dokotaira, sitragno haigninao. Na ino na ino regninay fao nitsabonao tao Kapernaomy, dia mitsaboa tôrotro zany akagny amin'ny taninao.'" 24Naifa nivaolagna Izy: "Koragniky marigny aminareo, tsisy mpagnazary azo ao amin'ny taniny.35Jesôsy nivaolagna mafy lehy masantôko kay nagnanjao: "Aza mivaolagna aveo mialao aminazy!" Koafa nanipy lehy lalahy ho lavo tagnivon-jareo ny masantôko, dia niala taminazy, avakeo tsy nandratra azy aby. 36Nitolagaga jiaby ny ôlogno jiaby, avakeo nanôhy nifampikoragna ny mahakasiky zany. Nivaolagna zareo: "Fao vaolagna karaha ino eky zany?" Bikóny amin'ny fahefagna ndraiky angôvo ny fagnahy maloto dia miboaka."37 Noho zany dia nanomboko niparitaka nagnairagna faritry magnodidigny ny lazany.38Niala ny Synagoga Jesôsy aveo niditry tan-tragnon'i Simona. Aveo nampijalin'ny tazo mahery ny rafozam-bavin'i Simona, avakeo niangavigny taminazy ho azy zareo.39 Kay nitsangagna teo angnatraihany Izy aveo nivaolagna mafy ny tazo, dia niala taminazy zany. Avy hatragny izy dia nitsangagna avakeo nanomboko nanompo Azy reo.40Koafa jibiky masaova, dia nitondra ny ôlogno jiaby nararin'ny aretigny maro samihafa tamin'i Jesôsy ny ôlogno. Nagnambaila tagnagna tamin'ny tsiaraikiaraiky aby amin-jareo Izy kay nampahivagna zareo. 41Reo masantôko faogna koa dia niala tao amin'ny maro tamin-jareo, nangaikingaiky mafy ndraiky nivaolagna nagnanjao: "Anao no Zanaka Zagnahary!" Jesôsy nivaolagna mafy reo masantôko kay tsy nagnambaila zareo hivaolagna, satria hain-jareo fao Izy no Kristy.42Vao mahizinkizigny, dia nandaiha tagny amin'ny toairagna mangingigny Izy. Vahoaka maro no nizaha Azy aveo nagnagny amin'ny toairagna zay nisy Azy. Zareo dia niaizaka ny hitagna Azy mbô tsy hiala amin-jareo. 43Fao Izy nivaolagna tamin-jareo nagnanjao: "Tsy maintsy mitory ny vava maharavo mahakasiky ny Fanjakan-Jagnahary amin'ny tanagna maro hafa faogna koa Zaho, satria zany no antony nagnirahagna Zaho tatoy. 44Aveo Izy nanôhy nitory tao amin'ny reo Synagoga magnairagna Jodia.Chapter 5
4Koafa nijanogno nivaolagna Izy, dia nivaolagna tamin'i Simona Izy nagnanjao: "Ndeso amin'ny rano taigna laligny ny lakagna dia alatsaho ny haratonao mbô hazahoanareo hazandrano." 5Simona namaly Azy kay nivaolagna: "Tompo ô, afa niasa ny aligny tontolo zahay, fao tsy nahazo na ino na ino, fao nohon'ny koragnanao, dia halatsako ny harato." 6Koafa natan-jareo zany, dia navôry hazandrano maro taigna maro zareo, aveo natriaka haraton-jareo.7 Koa nagnano fihetsiky tamin-jareo namany zay tao agnatilakagna araiky hafa zareo fao zareo fa tôkony hoavy avakeo hagnampy lakagna njareo. Dia havy zareo kay nameno ny lakagna aroa, kay afa hely hijibiky zareo.8Fao Simona Petera, raha voh nahita zany, dia niankaohaka teo amin'ny hongotro Jesôsy, nivaolagna nagnanjao: "Milao aminaha, fao lalahy mpanota zaho."9 Fao gaga izy, ndraiky reo zay jiaby niaraka taminazy, nohon'ny hafotriran'ny hazandrano zay azon-jareo.10 Tao agnatiny zany Jakoba ndraiky Jaona, zanak'i Zebedio, zay mpiara miasa amin'i Simona. Jesôsy nivaolagna tamin'i Simona nagnanjao: "Aza ambory, fao manomboko zao dia hagnarato ôlogno anao."11 Koafa nindesin-jareo tagny an-tanety ny lakagnan-jareo, dia nagnambaila raha jiaby zareo kay nagnaraka Azy.12Dia nitranga zao raha mbôla tao amin'ny araiky tamin'ny reo tanagna Izy, dia nisy lalahy feno habokagna teo. Koafa nahita Jesôsy izy, dia niankaohaka taminazy avakeo niangavigny taminazy, nagnanjao: "Tompo, raha mety anao, dia afaka magnadio zaho." 13Aveo namavatra tagnany Jesôsy ary nikasiky azy, nivaolagna: "Mety Zaho. Madiova." Samby teo dia afaka taminazy ny habokagna.15Kanaifa ny tatitry mahakasiky Azy dia niparitaka lavitry faogna, aveo vahoaka maro no niara-tonga mbô hitandregny Azy nampianatra avakeo mbô hahivagna amin'ny aretignin-jareo. 16Kanaifa matetiky Izy dia niala nagnagny amin'ny tany foagna aveo nivavaka.17Ary tamin'ny andro araiky nampianarany, dia nisy Fariseo ndraiky mpanora-dalàgna nibidôko teo zay avy amin'ny tanagna samihafa ao amin'ny faritry Galilia ndraiky Jodia, avakeo koa avy ao amin'ny tanagnan'i Jerosalema. Ny angôvon'ny Tompo no tao aminazy mbô hagnasitranagna.22Fao Jesôsy, nahay zay nieritreretin-jareo, namaly aveo nivaolagna zareo nagnanjao: "Nagnino areo magnontany zany ao am-pônareo? 23Ino no mora volagnigny: 'Voavaila ny helokoa' sa mivaolagna hoe: 'Mitsangana avakeo mandihiana?' 24Naifa mbô hahaizanareo fao ny Zanak'Ôlogno dia manam-pahefagna hamôtotro heloko aketo antany, dia volagniky aminao, mitsangàna, ndeso ny fandriagnanao aveo mandihiana agny an-tragnonao."25Samby teo dia nitsangagna teo agnoloan-jareo izy ary nangala lehy fandriagna zay nandriany. Avakeo niala nagnagny antragnony izy, nagnamia vogninahitry Zagnahary. 26Sondriagna jiaby aveo nagnamia vogninahitry Zagnahary zareo. Feno hamboriagna zareo, nivaolagna nagnanjao: "Nahita raha mahagaga atsika niany."27Tafaran'ny nitrangan'ny reo raha reo, dia niala teo Jesôsy kay nahita mpamôry haitra araiky zay antsôvigny Levy nidôko teo amin'ny tragno lain'ny mpamôry haitra. Nivaolagna taminazy Izy nagnanjao: "Magnaraha Zaho." 28Dia nitsangagna i Levy kay nagnaraka Azy, ka nagnambaila ny raha jiaby.29Dia nagnano fagnasagna lehibe tao an-tragnony ho an'i Jesôsy i Levy. Fôntry reo mpamôry haitra ndraiky reo ôlogno hafa zay nipaitraka teo amin'ny latabatra aveo nihinagna niaraka tamin-jareo.30 Naifa reo Fariseo ndraiky reo mpanora-dalàgna dia nitaraigny tamin-jareo mpianany, nivaolagna: "Nagnino anao mihinagna ndraiky migiaka miaraka amin'ny reo mpamôry haitra ndraiky reo mpanota hafa?"31 Namaly zareo Jesôsy nagnanjao: "Tsy mila dokotaira ny ôlogno salama; fao reo marary faogna.32 Tsy tonga hagnantso ny ôlo-marigny ho amin'ny fibaibahagna Zaho, fao hagnantso ny mpanota hoamin'ny fibaibahagna."33Dia hoizy zareo taminazy: "Reo mpianatr'i Jaona mazagna mifady hanigny ndraiky mivavaka, aveo reo mpianatry reo Fariseo dia magnano hotra zany koa. Naifa ny mpianatrao dia mihinagna ndraiky migiaka." 34Jesôsy nivaolagna zareo: "Moa misy ôlogno mahavita mampifady hanigny ny havan'ny mpampakatra raha aohatra mbôla mipaitraka eo amin-jareo ny mpampakatra?35 Fa hoavy ny andro zay hangalagna ny mpampakatra eo amin-jareo aveo amin'ny zany andro zany dia hifady hanigny zareo."37Tsisy ôlogno magnisy divay vava agnatiny seho hôditry fa aila. Raha magnano zany izy, dia hagnatriaka hôditry lehy divay vava, avakeo ho raraka ny divay, aveo haratra lehy seho hôditry. 38Fao ny divay vava tsy maintsy atao agnatin'ny seho hôditry vava. 39Tsisy ôlogno avy nigiaka divay fa haila ka hagniry ny vava, fao hoizy hoe: 'Lehy talaoha no tsara."'Chapter 6
1Ary tamin'ny Sabata dia nandaiha nagnagny an-tanety Jesôsy aveo reo mpianatra nangala salohim-bary, nikôsoko zany tamin'ny tagnan-jareo aveo nihinagna ny voa. 2Fao ny sasany tamin-jareo Fariseo ndraiky nivaolagna: "Nagnino areo magnano raha tsy ara-dalàgna ny mitsabo azy amin'ny andro Sabata?"6Aveo tamin'ny Sabata hafa dia nandaiha tao amin'ny Synagoga Izy dia nampianatra vahoaka tao. Nisy lalahy araiky maty tagnagna ankahery tao. 7Nizaha marikitry Azy tsara reo mpanora-dalàgna ndraiky reo Fariseo mbô hahita raha hampahivagna ôlogno amin'ny Sabata Izy, mbô afahan-jareo mahita antony hagnambaragna Azy. 8Naifa hainy zay tan-tsaignin-jareo aveo nivaolagna tamin'lehy lalahy zay maty tagnagna Izy nagnanjao: "Mitsangàna, avakeo avia aketo agnivon'ny ôlogno jiaby aketo." Koa nitsangagna lehy lalahy aveo nitsangagna teo.12Tamin'ny zany andro zany dia nandaiha nagnagny an-tanety Izy mbô hivavaka. Nitohizany nandritry ny aligny jiaby ny fivavahagna tamin-Jagnahary. 13Koafa avy ny andro, nagnantso ny mpianany hoegny aminazy Izy, aveo nifidy aroa ambin'ny fôlo tamin-jareo Izy, zay nantsôvigny faogna koa hoe Apostoly.14Ny agnaragna reo Apostoly reo dia Simona (zay antsôvigny faogna koa hoe Petera) aveo ny rahalahiny Andrea, Jakoba, Jaona, Filipo, Bartelemeo, 15Matio, Tomasy, Jakoba zanaka lahin'i Alfeo, Simona zay antsôvigny hoe Zelota, 16Jodasy zanak'i Jakoba, avakeo Jodasy Iskariota, zay tonga mpamadiky.20Dia nizaha mpianany Izy, avakeo nivaolagna: "Sambatra areo zay mahay, fao nihinareo fanjakan-Jagnahary.21 Sambatra areo zay tihinagna zeo, fao ho vôky areo. Sambatra areo zay mitomoagny zeo, fao himoehy areo.22Sambatra areo koafa malaigny areo ny ôlogno aveo koafa ahilikiliky zareo ndraiky haratsin-jareo areo, nohon'ny amin'ny Zanak'Ôlogno. 23Miravoa amin'ny zany andro zany avakeo mibitaha an-karavoagna, satria azo antoko fao hahazo valisioa gaida akagny an-dangitry areo, fao mitôvy amin'ny zany no nindaisan'ny razan'ny reo mpagnazary.24Fao loza hoanareo zay manan-kariagna, fao afa azonareo zay mahafa-pô areo.25 Loza hoanareo zay vôky zeo, fao mbôla ho tihinagna areo agny afara agny. Loza hoanareo zay mimoehy zeo, fao hisaona ndraiky hitomoagny areo agny afara agny.26Loza hoanareo, koafa mivaolagna tsara mahakasiky areo ny ôlogno jiaby, fao mitôvy amin'ny zany ny natan'ny razanareo tamin'ny reo mpagnazary sandoko.27Fao mivolagna aminareo zay mitandregny Zaho, tiavo ny fahavalonareo avakeo manaova ny tsara amin'ny zay malaigny areo. 28Tahio zay magnôzogno areo avakeo mivavaha hoan'reo zay magnano tsinotsinona areo.29Koa misy manaifaka fifinao araiky dia amiazo azy koa ny hilany. Raha misy ôlogno mangala lambanao, aza mitagna na dia ny ankanjonao koa aby. 30Amiazo zay jiaby mangataka aminao. Raha misy ôlogno mangala raha zay nihinao, aza mangataka ny hamiraignagna zany aminao.31Hotra zay tianao hatan'ôlogno aminao, dia tôkony hitsabonao amin-jareo koa zany.32 Raha zay ôlogno tianao faogna no tiavinao, ino no tsara hoazonao amin'ny zany? Fao na ny mpanota aby mbô tia zay tia azy koa. 33Raha amin'ny zay ôlogno magnano tsara anao faogna anao magnano tsara, ino no tsara ho azonao amin'ny zany? Fao ny mpanota aby dia magnano hotra zany.34 Raha tsy mampindragna koa tsy amin'ny zay ôlogno handrasagna fao hagnam-pôdy zany aminao faogna anao, ino no tsara ho azonao amin'ny zany? Fao ny mpanota aby mampindragna ny mpanota, mbô hazahoagna hotra zany koa.37Aza mitsara, biaka tsy ho tsaraigny areo. Aza magnameloko, aveo tsy ho melohigny areo. Mamelà ny hafa, avakeo hoavela areo.38Magnamaiza, dia amiagna areo zany. Fahafoizagna fôntry—zay atafotafo, miara voahontsagna ary mitobaka—no hararaka eo am-pofoanao. Araka ny famaharanareo, no hamaharagna areo hotra zany koa."39Aveo Izy nagnano fagnohoaragna tamin-jareo koa. "Moa ny ôlogno gila afaka mitariky ôlogno gila hafa? Raha magnano zany izy, dia mety hilatsaka agny andavaka zareo roa, sa tsia? 40Ny mpianatra araiky dia tsy gaida noho ny mpampianany, fao zay jiaby nahatantairaka ny fiofagnagna dia hitôvy amin'ny mpampianany.41Fao nagnino anao mizaha ny tapa-kakazo hely zay ao agnatin'ny mason'ny rahalahinao, kanaifa tsy mahazo onogno vatan-kakazo agnaty masonao? 42Akôry no ivolagnanao ny rahalahinao hoe: 'Oa rahalahy, ano zaho hangala tapa-kakazo eo amin'ny masonao,' naifa tsy hitanao eky vatan-kazo eo amin'ny masonao? Mpiatsaravelatsihy! Alao eo amin'ny masonao alaoha ny vata-kazo, avakeo hahita tsara anao kay afaka hangala ny sombin-kakazo eo amin'ny mason'ny rahalahinao.46Fao magnino areo magnantso Zaho hoe: 'Tompo, Tompo,' kanaifa areo tsy mankatô zay raha volagniky? 47Ny ôlogno jiaby mankatô Zaho ndraiky maharegny koragnanaha avakeo mankatô zany, dia ho ambarako areo hoe hotra ino izy.48 Hotra ny ôlogno zay nagnorigny tragno izy, zay nandavaka laligny teo amin'ny tany aveo nagnorigny fôtotry ny tragno teo ambony vatolampy. Koafa tonga ny rano be, dia nandriaka nanohitry zany tragno zany ny rano be, fao tsy nampiontsagna azy, satria tsara jodigny lehy izy.49Aveo zay ôlogno maharegny koragnanaha naifa tsy mankatô zany, dia mitôvy amin'ny ôlogno zay nagnorintragno tamboniny tany kay tsy nagnisy fôtotro. Naifa nandriaka namely io tragno io ny rano be, dia lavo avy hatragny zany, ary ravagna tantairaka zany tragno zany."Chapter 7
9Koafa naharegny zany Jesôsy, dia sondriagna taminazy Izy, aveo nitodiky tamin'ny reo vahoaka zay nagnaraka Azy dia nagnanjao: "Koragniky aminareo, fao na dia tagny Israely aby tsy nahitako finoagna hotra zao."10 Koafa nimpôdy tagny an-tragno reo zay nirahigny, dia nahita fao salama tsara lehy mpanompo.11Tafaran'ny zany, dia nandaiha tagny amin'ny tanàgna atao hoe Naina Jesôsy, ary niaraka tamin'ny reo mpianany ndraiky reo vahoaka maro. 12Raha narikitry ny varavaran'ny tanagna Izy, tô nisy lalahy araiky afa maty nindesigny niboaka, zanaka lahy taokan'ny nininy (zay mpitondra taigna), aveo vahoaka maro avy amin'ny tanàgna no niaraka taminazy. 13Koafa nahita azy ny Tompo, dia naforaigny tantairaka azy kay nagnanjao taminazy: "Aza mitomoagny.'' 14Avakeo niakatra Izy ary nikasiky lehy vata zay nitondran-jare lehy razagna, ary nijanogno reo nitondra zany. Nivaolagna Izy nagnanjao: "Oa tôvolahy, hoizy Zaho aminao, miaraigny.'' 15Dia niarigny lehy maty kay nanomboko nivaolagna, aveo Jesôsy nanôlotro azy tamin'ny nininy.16Nandresy azy jiaby ny hamboriagna, kay nanôhy nidaira Zagnahary hatragny zareo, nivaolagna nagnanjao: "Mpagnazary lehibe no natsangagna aketo amintsika" Ary Zagnahary nitsinjo ny ôlognoanazy." 17Tô vava mahakasiky Jesôsy tô dia niparitaka nagnairagna Jodia ndraiky reo faritry magnodidigny jiaby.21Ary tamin'ny zany fotoagna zany dia nampahivagna ôlogno maro tamin'ny aretigny ndraiky fahoriagna aveo fangirifiriagna avy amin'ny reo fagnahy ratsy Izy, aveo ôlogno gila maro no nampahitagna. 22Jesôsy namaly kay nivaolagna tamin-jareo nagnanjao: "Koafa avy nandaiha tamin'ny lalanareo areo, tatero amin'ny Jaona zay hitanareo ndraiky regninareo. Nahita ny gila, nandaiha ny malemy, nadio ny boka, naharegny ny maregnigny, nitsanga-ko velogno ny maty, aveo nitoriagna vava maharavo ny ôlogno agnantin'ny tsy fahampiagna. 23Sambatra ny ôlogno zay tsy mijanogno mino Zaho nohon'ny atako."24Aveo koafa lôsogno reo irak'i Jaona, dia nanomboko nivaolagna tamin'ny vahoaka Jesôsy ny mahakasik'i Jaona nagnanjao: "Hizaha ino no niboahanareo tagny antany maty? Vôlotara nihôzongozôniny rivotro moa? 25Fao hizaha ino no niboahanareo tagny? Lalahy misikigny lamba tsara moa? Zahavo, reo zay misikigny lamba lafo vidy ndraiky reo miaigny amin'ny fiainagna tsara dia ao amin'ny lapan'ny mpanjaka. 26Fao hizaha ino no niboahanareo tagny? Mpagnazary moa? Ia, hoizy Zaho aminareo, aveo mihoatra lavitry noho ny mpagnazary.33Fao Jaona mpagnano Batisa tonga tsy nihinagna môfo aveo tsy nigiaka divay, dia hoizy areo: 'Misy masantôko izy.'34 Ny Zanak'Ôlogno tonga nihinagna ndraiky nigiaka, dia hoizy areo: 'Zahavo, fao tainda-kanigny ndraiky mpigiaka Izy, namany reo mpamôry haitra ndraiky mpanota!" 35Fao ny fahindriagna dia voamarigny amin'ny zanany jiaby."36Aveo ny araiky tamin'ny reo Fariseo nagnasa Jesosy hinagna miaraka aminazy. Koafa avy niditry tao an-tragnon'lehy Fariseo Jesôsy, dia nipaitraka hihinagna teo amin'ny latabatra.37Tô, nisy vaiavy tao antanagna zay mpanota. Avakeo koafa nahatsikaritry izy fao nantotry teo amin'ny latabatra tao antragnon'ny lehy Fariseo Izy, dia nitondra tavoara alabastra feno mainaka mangitry izy.38 Aveo raha nitsangagna tafarany teo narikitry hongony izy, dia nitomoagny, kay nanomboko nandaiha ny hongony tamin'ny ranomasony, kay nifafany tamin'ny vôlon-daohany reo sady nagnôroko hongony aveo nagnôsotro reo tamin'ny mainaka mangitry.39Koafa nahita zany lehy Fariseo nagnasa Jesôsy, dia nieritreritry, nivaolagna nagnanjao: "Raha mpagnazary tô lalahy tô, dia tôkony ho hainy hoe karazagna vaiavy magnankôry io mikitikitiky Azy io, fao mpanota io." 40Jesôsy namaly kay nivaolagna taminazy nagnanjao: "Simona, misy raha ho volagniky aminao." Hoizy: "Volagno zany, Mpagnanatra ô!"41Jesôsy nivaolagna: "Nisy mpagnampindram-baola nanagna mpitraosa aroa lahy. Ny araiky tôkony handoa diman-jato denaria, ny araiky dimam-pôlo. 42Koafa tsy afaka nagnaifa zany taminazy zareo, dia samy nambailany izy roa lahy. Noho zany, zôvy amin'izy aroa lahy no ho taigna ho tia Azy?" 43Simona namaly Azy kay nivaolagna: "Diniho fao lehy namoizany fôntry." Dia hoizy Jesôsy taminazy: "Marigny ny fitsaranao."46Tsy nisaoranao diloilo ny laohanaha, fao izy nagnôsotro hongotro tamin'ny mainaka mangitry. 47Noho zany dia mivaolagna aminao Zaho, fao reo fahotagnanazy, zay maro, dia voavaila—satria izy gaida fitiavagna. Fao zay navôtotro hely, dia tia hely."Chapter 8
1Aveo tafarany helin'ny zany dia nanomboko nandaiha nitety tanàgna ndraiky vôhitry samihafa Jesôsy, nitory ndraiky nagnambara ny vava maharavo mahakasiky ny fanjakan-Jagnahary. Niaraka taminazy reo aroa ambin'ny fôlo lahy, 2hotra reo vaiavy sasany zay nahivagna tamin'ny fagnahy ratsy ndraiky ny aretigny: Maria zay nantsôvigny hoe Magdalena, zay afa namoahagna masantôko fito,3 Johana, vadin'i Koza, zay mpitan-draharahan'i Heroda, avakeo Sosana; ndraiky reo maro hafa koa, zay tamin'ny fanagnan-jareo, dia nagnamia zay nilain-jareo.4Raha mbôla nisy vahoaka maro nivôry, dia avy nagnatogno Azy reo ôlogno avy atamin'ny isan-tanagna, dia nagnano fagnohoaragna Izy:5 "Nisy mpamboly niboaka mbô hamafy ny voany. Raha izy namafy igny, dia voafafy tegny amôron-dalagna ny sasany aveo voatsidia zany, avakeo lanin'ny vôron'ny langitry. 6Ny sasany ndraiky voafafy tegny amin'ny laitrim-bato, kay raha vao naniry, dia nalazo zany satria tsisy hamandoagna.7Avakeo ny sasany dia voafafy tamin'ny fatsika, aveo ny fatsika niaraka naniry tamin'ny voa kay nangaija zany. 8Ny sasany voafafy tegny amin'ny tany loanaka kay namoa vokatra zay tsara lavitry nisôsoko zato hegny." Tafaran'i Jesôsy nivaolagna reo raha reo, dia nagnantso mafy Izy nagnanjao: "Zay manan-tsôfigny hitandrignaisagna, aoka izy hitandregny."9Nagnontany Azy reo mpianany ny amin'ny tian'zany fagnohoaragna zany hambara. 10Nivaolagna Izy: "Ny fahaizagna raha mivôn'ny fanjakan-Jagnahary dia amiagna areo, fao hoan'ny hafa dia mikoragna amin'ny fagnohoaragna Zaho, mbô tsy ahita zareo na dia mahita aby, aveo tsy hahay na dia mitandregny aby."11Ary zao no dikany lehy fagnohoaragna: ny voa dia ny tenin-Jagnahary. 12Reo voafafy tegny amin'ny sisin-dalagna dia reo zay mitandregny, fao aveo dia tonga ny devoly kay mangala lehy teny tao am-pôny, mbô tsy hino ndraiky ho voavonjy zareo. 13Aveo reo teo amin'ny vatolampy ndraiky dia reo zay, koa mitandregny koragna, dia mangala zany amin-karavoagna. Naifa tsisy fakany reo; malaky foagna ny finoagnan-jareo, aveo amin'ny fotoagna fitsapagna dia lavo zareo.14Reo voa voafafy teo amin'ny fatsika dia reo ôlogno mitandregny koragna, fao koafa mandaiha amin'ny lalany zareo, dia voagaijan'ny fiahiagna ndraiky hariagna aveo ny fahafinaraitan'izao fiainagna zao, kay tsy matoy ny voany. 15Fao ny voa voafafy tamin'ny tany tsara, dia reo no, mitandregny ny vaolagna tamin'ny fô marigny ndraiky tsara, avakeo zareo mitagna azy tsara avakeo namokatra am-paharaitagna.16Ary tsisy ôlogno, koafa nandrehitry jiro, dia manarogno azy amin'ny sarogno na magnambaila zany ambany fandriagna. Fao naifa, magnambaila azy eo amin'ny fanaovan-jiro, mbô ho hitan'ôlgno jiaby zay miditry ny hazavagna. 17Satria tsisy takogno zay tsy ho amboaka, na raha mivôny zay tsy hohay, aveo hiboaka amin'ny hazavagna. 18Kay mitandrignaisa tsara, zay managna, dia mbôla hamiagna fôntrifôntry, fao hoan'ny zay tsy managna ndraiky, na zay hanagnany aby dia ho alaigny aminazy."19Avakeo ny nininy ndraiky ny rahalahiny nagnatogno Azy, naifa tsy afaka nagnarikitry Azy nohon'ny vahoaka. 20Nisy nivaolagna taminazy: "Ny nininao ndraiky rahalahinao dia mitsangagna ao ambailany, tehita Anao." 21Fao Jesôsy namaly ndraiky nivaolagna tamin-jareo: "Ny niniky ndraiky rahalahiko dia reo zay mitandregny koragnan-Jagnahary ndraiky mankatô zany."22Ary indraiky andro dia nandaiha an-dakagna Izy niaraka tamin'ny reo mpianany, aveo Izy nivaolagna taminjareo nagnanjao: "Andaiha atsika hoegny andafirôn'ny matsabôry." Dia nandaiha zareo. 23Fao raha nandaiha zareo dia tafandry Jesôsy. Avakeo nisy valolan-drivotro havy teo amin'ny matsabôry, kay feno rano ny lakagna, avakeo nitandindon-doza zareo.26Zareo dia nahazo ny faritr'i Gerasena, zay tandrifin'ny matsabôrin'i Galilea. 27Aveo koafa nakatra hankegny an-tanety Jesôsy, dia fanôjy tamin'ny lalahy araiky avy tao an-tanagna zay nisy masantôko. Ary afa aila izy no tsy misikigny lamba, avakeo tsy nibidôko tantragno fao tegny amin'ny fasagna.28Koafa nahita Jesôsy izy, dia nangaiky mafy ndraiky niakaohaka teo agnatraihany kay nivaolagna tamin'ny feo mafy nagnanjao: "Ino no iraisanao aminaha, Jesôsy zanaka Zagnahary taigna agnambo ô? Miangavigny Anao zaho, aza mampijaly zaho."29 Fao Jesôsy nandidy ny fagnahy maloto tamin'ny lehy lalahy. Fao afa nandritry ny fotoagna maro no nangaija azy zany, kay na dia nifihezigny tamin'ny tady ndraiky gadra vy aveo niambaisagna aby izy, dia nipotehiny reo tady avakeo nindesin'ny masantôko tagny antanimaty izy.30Jesôsy nagnontany azy nagnanjao: "Zôvy agnaragnao? Aveo hoizy: "Legiona," fao fôntry ny masantôko zay afa niditry taminazy.31 Zareo niangavigny Azy hatragny mbô tsy handaifa azy hoagny amin'ny lavaka tsy hita tapairany.36Aveo reo zay nahita zany nivaolagna azy reo ny fomba nampahivagna lehy lalahy nanjakan'ny masantôko.37 Ary ny vahoaka jiaby teo amin'ny faritr'i Gerasena dia nangataka Jesôsy mbô hiala eo amin-jareo satria feno hamboriagna mafy zareo. Noho zany dia nandaiha an-dakagna Izy mbô afahan-jareo mimpôdy.38Lehy lalahy niboahan'ny masantôko dia niangavigny taminazy mbô hagnambaila azy handaiha hiaraka aminazy, fao Jesôsy nandaifa azy, nivaolagna nagnanjao: 39"Mimpodiana agny an-tragnonao kay magnomaiza tatitry feno mahakasiky zay nitsabon-Jagnahary taminao." Ary lehy lalahy nandaiha tamin'ny lalany, dia nagnambara magneragna ny tanagna jiaby zay nitsabon'i Jesôsy taminazy.43Ary nisy vaiavy araiky teo zay afa nandaiha lio nandritry ny aroa ambin'ny fôlo tagno aveo afa nandany vaolany jiaby, [Fagnamarihagna: Reo manam-pahaizagna dia mizarazara hevitry raha tôkony ampidiragna eto ny fehezan-teny magnanjao: "Nandany vaolany jiaby (izy)] avakeo tsisy nampahivagna azy na zôvy na zôvy. 44Ary izy nandaiha afaran'i Jesôsy kay nikasiky ny rambon-dambany, dia nijanogno teo ny eo ny lio-nazy.47Koafa hitan'ny lehy vaiavy fao tsy tankaolaka izy, dia nangovitry izy aveo niankaohaka taminazy. Nambarany teo imason'ny ôlogno ny antony nikasihany Azy, ndraiky ny fomba nampahivagna azy avy hatragny. 48Aveo Izy nivaolagna taminazy nagnanjao: "Zanaka vaiavy, ny finoagnanao no nampahivagna anao. Mandihana am-piadanagna."51Koafa nankao an-tragno Izy, dia tsy nambaila na dia ôlogno araiky aby hiaraka-hiditry aminazy hafan'i Petera ndraiky Jaona avakeo Jakoba, ndraiky iadan'lehy zaza aveo ny nininy. 52Ary jiaby dia nisaona ndraiky nitomoagny azy, 53fao Izy nivaolagna: "Aza mitomoagny; tsy maty aby izy fao mandry." Dia nimoehy Azy zareo, satria fa maty lehy zaza vavy.54Fao niraisiny tamin'ny tagnany izy kay nagnantso mafy, nivaolagna nagnanjao: "Zanaka, mitsangàna!" 55Aveo nimpôdy fagnahinazy, kay niarigny samby teo izy. Avakeo nibeko zareo Izy mbô hagnamia hanigny azy.56 Ary gaga ny ray aman-dreniny, fao Izy ndraiky nandraova zareo mbô tsy hivaolagna na amin-jôvy na amin-jôvy ny raha zay nitranga.Chapter 9
1Nagnantso reo aroa ambin'ny fôlo lahy Izy ary nagnamia zareo angôvo ndraiky fahefagna amin'ny reo masantôko jiaby aveo hampahivagna reo aretigny. 2Nalaifany zareo hitory ny fanjakan-Jagnahary ndraiky hampahivagna ny marary.3Nivaolagna Izy tamin-jareo: "Aza minday na ino na ino amin'ny dianareo—tsisy tongôzo, tsisy kitapom-batsy, tsisy môfo, tsisy vaola, avakeo tsisy ankanjo fagnampiny. 4Zay tragno idiranareo, dia mijanona akao mandra-pialanareo.5Na aiza na aiza tsy handraisan-jareo areo, koafa miala zany tanàgna zany areo, dia hintsagno hiala amin'ny hongotro areo ny jôfo mbô ho fitsanganagna antomoa anohairagna zareo." 6Avakeo dia lôsogno zareo ary namakivaky tanàgna, nitory ny vava maharavo ndraiky nagnasitragna tagny jiaby tagny.12Aveo koafa hoaligny andro, dia nagnatogno Azy reo aroa ambin'ny fôlo kay nivaolagna nagnanjao: "Alifaso andaiha reo vahoaka mbô afahan-jareo mandaiha akagny amin'ny reo tanàgna magnodidigny ndraiky ambanivôhotro mbô hahita fatoriagna ndraiky hanigny, satria aty amin'ny tany foagna atsika." 13Fao hoizy tamin-jareo: "Amianareo raha hoanigny zareo." Ary nivaolagna reo: "Tsy managna mihoatra noho ny môfo dimy ndraiky hazandrano aroa zahay—raha tsy hoe mandaiha zahay aveo mividy hanigny hoan'ny reo ôlogno jiaby reo." 14(Teo dia nisy teo amin'ny lalahy dimy arivo teo ho eo.) Ary nivaolagna tamin'ny reo mpianany Izy: Ampatairo ho vôndrogno dimam-pôlo isan-jareo."15Kay nagnano zany zareo, aveo nampantotry reo vahoaka.16 Nalaka reo môfo dimy ndraiky hazandrano aroa, dia niandra langitry Izy, nisaotra reo aveo nizarazaraigny, kay namiagna reo mpianatra zany mbô ho tolaoragna reo vahoaka.17 Nihinagna izy jiaby kay afa-pô, aveo nafômpogno reo tavaila tsy lany kay nisy potipotiny arao ambin'ny fôlo harogno.18Ary koafa nivavaka manaokagna Jesosy, dia niaraka taminazy reo mpianatra, Dia nagnontany zareo Izy, nagnano agnanjao: ''Volagnin'ny vahoaka ho zôvy moa Zaho?" 19Namaly zareo: "Jaona mpagnano batisa. Fao reo sasany nivaolagna hoe Elia, aveo reo sasany mivaolagna fao nitsangagna tamin'ny maty ny araiky tamin'ny reo mpagnazary fahigny."23Ary hoy Izy tamin-jareo jiaby: "Raha misy te hagnaraka Zaho, dia tsy maintsy mandà ny haigniny izy aveo mitondra kakazo fijaliany isan'andro ary magnaraka Zaho. 24Na zôvy na zôvy tehagnavotro haigniny dia hagnary azy, fao na zôvy na zôvy magnary haigniny nohony fitiavagna Zaho dia hagnavotro azy.25 Ino no tsara azon'ny ôlogno amin'ny fanagnagna izo tontolo zao, kanaifa magnary na mamotiky haigniny?28Ary valo andro teo ho eo tafaran'ny nivolagnan'i Jesôsy reo koragna reo, dia niaraka taminy Petera ndraiky Jaona aveo Jakoba kay nakatra tanety hivavaka.29 Raha nivavaka igny Izy, dia niaova ny bikany tarehiny, aveo nivadiky fôtsy mangilangilatra ny lambany.32Avakeo Petera ndraiky reo zay niaraka taminazy dia nivisarin'ny tôromaso, fao koafa taigna taitry tantairaka zareo, dia nahita vogninahiny ndraiky reo lalahy aroa zay nitsangagna niaraka taminazy. 33Ary koafa niala nagnalavitry Jesôsy zareo, dia hoizy Petera taminazy: "Tompo, tsara amintsika ny mijanogno aketo. Ambilao zahay hagnamboatra fialaofagna telo, araiky nihinao, araiky nihin'i Mosesy, avakeo ny araiky nihin'i Elia." (Tsy hainy zay nivolagniny.)34Teo ampivolagnagna zany izy, dia nisy zavogno tonga nanarogno zareo, kay ambory zareo koafa niditry tao amin'ny lehy zavogno. 35Nisy feo niboaka avy tagny amin'ny lehy zavogno nagnanjao: "Tô no Zanaka lahiko, lehy Araiky zay voafidy; tandrignaiso Izy." 36Koafa nivaolagna lehy feo, dia Jesôsy zeraiky no hita teo. Nitagna ny fahanginany zareo tsy nivaolagna tamin-jôvy na zôvy tamin'ny zany andro zany ny mahakasiky zay jiaby hitan-jareo.43Ary aviteo dia sondriagna jiaby izy jiaby nahita ny hagidasan-Jagnahary. Raha gaga tamin'ny raha jiaby nitsabony igny zareo, dia hoizy Izy tamin'ny mpianany nagnanjao: 44"Ambilao reto koragna reto ho tonga laligny ao an-tsôfigny areo: ny Zanak'Ôlogno dia ho vadihagna ho eo an-tagnan'ôlogno."45 Fao tsy azon-jareo zany fagnambaragna zany. Zany dia navôny tamin-jareo, noho zany dia tsy azon-jareo ny dikan'ny zany, aveo mbôla natahotro zareo ny hagnontany mahakasiky zany fagnambaragna zany.46Ary avakeo nisy malomalo nanomboko teo amin-jareo ny amin'ny zay ho taigna gaida aminjareo. 47Fao Jesôsy, nahay ny fihevitry tagny am-pônjareo, dia nangala zaza hely araiky kay nadôkony tankilany48 aveo nivaolagna tamin-jareo nagnanjao: "Fao na zôvy mandray tô zaza tô amin'ny agnarako, dia mandray Zaho; ary na zôvy na zôvy mandray Zaho, dia mandray lehy Araiky zay nagniraka Zaho. Fao zay taigna hely aminareo jiaby no gaida."49Jaona namaly: "Tompo ô, nahita ôlogno araiky zahay nangala masantôko tamin'ny agnaragnao dia nisakananay izy, satria izy tsy magnara-dia miaraka aminay." 50"Aza raràgna izy," Hoizy Jesôsy, "satria zay tsy manohitry areo dia momba areo."51Koafa narikitry ny andro ampiakaragna Azy, dia niatriky hoagny Jerosalema Izy. 52Nandaifa mpitondra hafatra Izy hialaoha Azy, aveo nandaiha zareo kay niditry tao amin'ny tanàgna Samaritana araiky mbô hagnomagna ny raha jiaby ho Azy. 53Fao ny vahoaka tao tsy nandray Azy, satria nitodiky hoagny Jerosalema Izy.54Koafa nahita zany Jakoba ndraiky Jaona mpianatra, dia hoizy zareo: "Tompoko, tianao moa zahay raha handaifa môtro milatsaka avy agny an-dangitry mbô hamotiky zareo?" 55Fao nitodiky Izy aveo nivaolagna mafy tamin-jareo, 56ary lôsogno tagny amin'ny tanàgna hafa zareo.59Ary hoizy Izy taminazy: "Magnaraha Zaho." Fao hoizy nagnanjao: "Tompoko, ambilao zaho alaoha andaiha handevigny iadako."60 Fa hoizy Izy taminazy: "Ambilao ny maty handevigny ny maty ao aminazy. Fao anao, mandihiana kay mitoria agny lavitry akagny aveo gidaso ny fanjakan-Jagnahary."61Ary nisy hafa nagnanjao: "Hagnaraka Anao zaho, Tompo, fao ambilao zaho alaoha hitsabo veloma reo agny an-tragno."62 Jesôsy namaly azy nagnanjao: "Tsisy ôlogno mitàgna angady aveo mitodiky kay magnaiva ho amin'ny fanjakan-Jagnahary."Chapter 10
1Ary tafarany regny raha regny, dia nifidy fitopôlo lahy [Fanamarihagna: Maro amin'ny reo fandikagna talaoha taigna tsara no mivaky magnanjao: "Fitopôlo," Fao ny sasany mivaky magnanjao: "Aroa ambi-fitofôlo."] hafa ny Tompo, aveo nandaifa azy regny tsiaroaroa nialaoha Azy tagny amin'ny tanàgna jiaby ndraiky toairagna zay afa himboany. 2Hoizy Izy tamin-jareo: "Fôntry ny vokatra, fao vitsy ny mpiasa. Noho zany angataho ny Tômpon'ny vokatra mbô handaifa mpiasa mbô ho egny amin'ny vokatra.5Zay tragno hidiranao, volagno alaoha zao: 'Fiadanagna ho amin'ny tô tragno tô!' 6Raha misy ôlon'ny fiadanagna akao, dia hidôko aminazy ny fiadanagna zay volagninareo, fao raha tsisy ndraiky, dia himpôdy aminareo zany. 7Midaoha ao amin'io tragno io faogna, mihinagna ndraiky migiaka zay amian-jareo, fao ny mpiasa dia magnaiva ny karamany. Aza mifindrafindra tragno.8Fao amin'ny zay tanàgna idiranareo, kay mandray areo, hoano zay amaizany eo agnatraihanareo, 9aveo ampahivagno ny marary zay akao. Volagno zareo magnanjao: 'Afa marikitry areo ny fanjakan-Jagnahary.'13Loza hoanao, Korazina! Loza hoanao, Betsaida! Fao raha ny asa gaida zay nitsabogny taminao no nitsabogny tagny Tyro ndraiky Sidona, dia afa haila zareo nibaibaka, nipaitraka tamin'ny lamba fisaonagna ndraiky lavenona. 14Fao ho azo liferigny kokoa ny nihin'ny Tyro ndraiky Sidona amin'ny fitsaragna noho ny aminareo. 15Anao, kapernaomy, mieritreritry moa anao fao ho ampakarigny akagny an-dangitry? Tsia, ho ndesigny mijôtso akagny amin'ny fiainan-tsi-hita anao.16Zay mitandregny areo dia mitandregny Zaho, ary zay tsy magneky areo dia tsy magneky zaho, aveo zay tsy magneky Zaho tsy magneky lehy nagniraka Zaho.''17Nimpôdy an-karavoagna reo fitopôlo, kay nivaolagna nagnanjao: "Tompo, na dia masantôko aza dia nagneky zahay tamin'ny agnaragnao." 18Jesôsy nivaolagna taminjareo: "Nizaha Satana nilatsaka avy akagny an-dangitry hotra ny sinkailatra Zaho." 19Zahavo, fao afa namiako areo ny fahefagna handia mainapitsoko, ny hala, aveo amboniny angôvo jiabin'ny fahavalo, avakeo na ino na ino dia tsy hoisy handratra areo amin'ny fomba jiaby. 20Na dia zany aby aza ravo faogna amin'ny zany, ho nagneky areo ny fagnahy, fao taigna miravoa hoe voasaoratra akagny an-dangitry ny agnaragnareo."22Ny raha jiaby dia nankigniny Iada taminaha, aveo tsisy mahay zôvy ny Zanaka afa tsy ny Iada, aveo tsisy mahay hoe zôvy ny Iada afa tsy ny Zanaka ndraiky zay nisafidin'ny Zanaka agnaboahagna Azy."29Fao lehy mpagnanatra, nagniry hagnamarigny haigniny, dia nivaolagna tamin'i Jesôsy nagnanjao: "Zôvy no namako?"30 Namaly Jesôsy kay nivaolagna: "Nisy lalahy araiky nijôtso avy akagny Jerosalema hoagny Jeriko. Izy dia azony reo mpagnaidaka, zay nagnaidaka reo fanagnagna jiaby tagny aminazy, ndraiky namboko azy, ary nagnambaila azy afa hofoaty.31Ary saindra nisy mpisôrogno nandalo tamin'ny zany lalagna zany, avakeo koafa nahita azy izy, dia nandaiha tamin'ny ilany. 32Hotra zany koa ny Levita araiky, koafa nandalo tamin'ny lehy toairagna kay nahita azy, dia nandaiha tamin'ny ilany.33Fao nisy Samaritana araiky, koa nandaiha tamin'ny himboany izy, dia tonga teo amin'ny nisy azy. Koafa nahita azy izy, dia nizaha azy. 34Dia nagnatogno azy izy kay namehy bainy, avakeo nandraraka mainaka ndraiky divay tamin'ny zany. Nampitikininy ny bibiny izy, kay nindesiny tagny amin'ny tragno-mbahiny, aveo nikarakarainy. 35Amaraigny dia nalaka denaria aroa izy, aveo nanôlotro zany tamin'ny mpampian-tragno, aveo nagnanjao: 'Karikaray izy, avakeo na hoatrino na hoatrino laninao mihoatra, koafa mimpôdy zaho, dia hifaiky.'36Zôvy amin'izy telo reo, araka ny eritreritria, no naman'ny lehy azon'ny mpagnaidaka?" 37Namaly lehy mpagnanatra nagnanjao: "Lehy araiky zay naneho fiantragna azy." Jesôsy nivaolagna taminazy: "Mandihiana avakeo mitsaboa hotra zany koa."38Aveo raha niara-nandaiha zareo, dia niditry tao amin'ny tanàgna araiky Izy, ary nisy vaiavy araiky antsôvigny hoe Marta nampandroso Azy tao antragnony. 39Nanagna rahavavy atao hoe Maria izy, zay nidôko teo antongony ny Tompo aveo naharegny koragna nazy.
Chapter 11
1Dia zao no nitranga koafa nivavaka tao amin'ny toairagna araiky Jesôsy, nisy araiky tamin-jareo mpianany nivaolagna taminazy nagnanjao: "Tompo, mbô ampianaro mivavaka zahay hotra ny nampianaran'i Jaona reo mpianany."2Hoizy Jesôsy tamin-jareo: "Koafa mivavaka areo dia volagno magnanjao: 'Iada a, hoamasinigny ny agnaragnao. Ho tonga ane ny fanjakagnao.3Amiazo zahay ny hanignay isan'andro. 4Avotsôry ny helokoay, karaha ny amotsaoranay zay meloko taminay. Aza mitondra zahay amin'ny fakampagnahy."'9Mbôla mivaolagna aminareo koa zaho, mangataha, dia hamiagna areo, mitadiava, dia hahita areo, magnonkaogna, dia ho vohoagna areo.10 Fao ny ôlogno jiaby zay mangataka dia mahazo, aveo zay mitady dia mahita; ary zay ôlogno magnonkogno, dia ho vohoagna.11Zôvy aminareo raim-pianakaviagna reo no, raha mangataka lako ny zanakareo, dia hagnamia azy bibilava fao tsy lako? [Fagnamarihagna: Reo fandikagna taigna tsara misy vaki-teny fohy kokoa, zay arahintsika eto. Ny fandikagna talaoha sasany dia misy vaki-teny taigna lavalava, zay hita ao amin'ny Matio7:9 koa: "Raim-pianakaviagna zôvy aminareo, raha mangataka môfo ny zanakareo, no hagnamia azy vato? Na lako, dia hagnamia azy bibilava?"] 12Na raha mangataka atody izy, dia hamianareo maingoka moa izy? 13Noho zany, raha areo ratsy fagnahy aza mahay magnamia fagnomaizagna tsara hoan'ny zanakareo, dia ohatrin'ny akôry ny hagidasany Fagnahy Masigny hamian'ny iadanareo zay akagny an-dangitry hoan'ny reo zay mangataka aminazy?"14Ary Jesôsy nandroaka masantôko möa. Koafa nibeko lehy masantôko, dia nanjary nahay nivaolagna lehy lalahy zay möa, aeo gaga ny vahoaka. 15Fao ny ôlogno sasany nivaolagna fao: "Amin'ny alalan'i Belzeboba, zay mpitariky ny masantôko, no androahany masantôko."16Ny sasany nitsapa Azy aveo nitady famantaragna avy akagny an-dangitry taminazy.17 Naifa hain'i Jesôsy zay tao an-tsaigninjareo kay nivaolagna tamin-jareo Izy nagnanjao: "Reo fanjakagna jiaby zay mizarazara dia ho rava, aveo ny tragno zay mizarazara dia hirodagna."18Koa raha miady an-tragno ary ny Satana, akôry no hampahadigny fanjakagnanazy? Fao hoizy areo mandroaka masantôko amin'ny alalan'ny Belzeboba Zaho. 19Fao raha mandroaka masantôko amin'ny alalan'i Belzeboba Zaho, amin'ny alalan-jôvy ndraiky no androahan'ny mpagnaradia areo azy? Noho zany, dia zareo no hitsara areo. 20Fao raha mandroaka masantôko amin'ny alalan'ny ratsan-tagnan-Jagnahary Zaho, dia tonga aminareo ny fanjakan-jagnahary.21Koafa ampy fitaovagna tsara ny lalahy mafy araiky miambigny tragnonazy, dia voaharo hariagnanazy, 22naifa ndraiky raha mafy noho izy ny lalahy araiky kay mandresy azy, dia alain'ny lehy lalahy taigna mafy amin'ny lehy lalahy ny fiadiagna, avakeo ho alainy ny fanagnan'ny lehy lalahy.23 Zay tsy miaraka aminaha dia manohitry Zaho, aveo zay tsy mivôry miaraka aminaha dia misaraka.24Koafa miala amin'ny ôlogno araiky ny fagnahy ratsy, dia lôsogno izy magnivakivaka toairagna tsisy rano avakeo mitady fitsaharagna. Ary koafa tsy mahita, dia hoizy: 'Andaiha himpôdy akagny amin'ny tragno naviako zaho.'25 Koafa tafimpôdy izy dia mahita zany tragno zany voadio ndraiky voalamigny. 26Avakeo dia lôsogno izy ary malaka fagnahy hafa ratsy mandilatra haigniny miisa fito miaraka aminazy izy aveo miditry mbô hibidôko akao zareo. Ka taigna ratsy nohony lehy voalaohany ny afaragnany."29Aveo raha mbôla misôsoko ny vahoaka, dia nanomboko nivaolagna Jesôsy nagnanjao: "Tô taminga tô dia taminga ratsy. Mitady famantaragna izy, naifa tsy hoisy famantaragna aboaka azy afa-tsy ny famantaran'i Jona. 30Fao mitôvy ny nahatonga Jona ho famantaragna tamin'ny reo Ninivita, tôrotro zany koa dia ho famantaragna ny Zanak'Ôlogno amin'ny tô taminga tô.31Ny mpanjaka vavin'ny Atsimo dia hitsangagna amin'ny fitsaragna miaraka amin'ny reo lalahy amin'ny tô taminga tô kay hagnameloko zareo, fao tonga avy akagny amin'ny faran'ny tany izy mbô hitandregny ny fahindriagnan'i Solomana, avakeo tô, aketo ny ôlogno gaida noho Solomana.32Ny lalahin'i Ninive dia hiraka hitsangagna amin'ny tô taminga tô amin'ny fitsaragna aveo hagnameloko azy, satria nibeko tamin'ny nitorian'i Jona zareo, aveo tô, misy gaida noho Jona aketo.33Tsisy ôlogno araiky, raha avy anandrehitry jiro, dia magnapaitraka zany amin'ny toairagna takogno na ambanin'ny harogno, fao ambaila eo amin'ny fipitrahan-jiro, mbô ho hitan'izay miditry ny hazavagna. 34Ny maso no jiron'ny vatagna. Koafa tsara ny masonao, dia feno hazavagna ny haigninao jiaby. Fao raha ratsy ndraiky ny masonao, dia feno hizigny ny haigninao. 35Noho zany, mitandraima are mbô tsy ho mahizigny ny hazavagna ao aminareo. 36Ary raha feno hazavagna aveo ny haigninao jiaby, kay tsisy ampahan'zany ao agnaty hizigny, dia ho mitôvy ny jiro zay mampangilatra ny hazavany eo aminao ny haigninao jiaby.37Koafa vita koragnanazy, dia nisy Fariseo nagnasa azy hiaraka hihinagna aminazy agny antragnony, dia niditry Jesôsy kay nipaitraka. 38Gaga lehy Fariseo fao tsy nisasa alaoha Jesôsy alaohan'ny hihinagna.39Fao hoizy Tompo taminazy: "Zeo, areo Fariseo, dia magnadio ny ambailan'ny Kôpy ndraiky kapila, naifa ny ao agnaitinareo dia feno rombaka ndraiky faharatsiagna.'' 40Areo hely saigny! Tsy nitsabo zay ao agnatiny faogna koa moa zay nitsabo ny ambailany? 41Amaizo ny mijaly zay ao agnatiny, dia ho madio hoanareo jiaby ny raha jiaby.42Fao loza hoanareo Fariseo, satria magnaifa ny ampahafôlon'ny solila ndraiky ny rota aveo ny kakazo hafa egny an-tsaha areo, naifa tsy nirahirahainareo ny fahamarignagna ndraiky ny fitiavan-Jagnahary. Ilaigny ny mitsabo ny marigny ndraiky mitia Zagnahary, salakady tsy magnadio ny magnano reo raha hafa faogna koa.43Loza hoanareo Fariseo, fao tianareo ny toairagna voalaohany egny amin'ny Synagoga ndraiky ny fiarahabagna feno fagnajagna areo egny an-tsaina.44 Loza hoanareo, fao areo dia mitôvy fasagna tsisy famantaragna zay hitsahan'ny ôlogno fao tsy hainy zany.45Ny araiky tamin-jareo mpampianatra lalàgna nivaolagna taminazy nagnanjao: "Mpampianatra ô, zany koragninao zany dia maniratsira zahay koa." 46Jesôsy nivaolagna: "Loza hoanareo, mpampiana-dalàgna! Fao mampitondra ainta-mavaisatra tsy zakan'ôlogno areo, naifa tsy mikasiky zany ainta-mavaisatra zany akory na dia ny ratsan-tagnanareo araiky aby.47Loza hoanareo, satria magnorigny fasagna hoan'reo mpagnazary areo, naifa ny razambenareo no namono zareo. 48Koa antomoa aveo magneky ny asan'ny razagnareo areo, fao namono zareo avakeo areo no magnorigny fasany.49Noho zany faogna koa, no nagnambaran'ny fahindriagnan-Jagnahary magnanjao: 'Hagnandaifa mpagnazary ndraiky Apostoly aminjareo Zaho, aveo zareo hamono ndraiky hagnenjiky ny sasany aminjareo." 50Tô taminga tô, zany no ho tompon'andraikitry amin'ny liny reo mpagnazary jiaby nilatsaka letry nahariagna izao tontolo zao, 51nanomboko teo amin'ny lin'i Abela hatramin'ny lin'i Zakaria, zay nivonogny teo agnailagnailan'ny alitara ndraiky fitoairagna masigny. Ia, volagniky marigny aminareo, fao tô taminga tô no ho tompon'antoko.52Loza hoanareo mpampianatra ny lalàn'ny Jiosy, satria nalainareo ny fangalahidin'ny fahaizagna; tsy miditry ao ny haigninareo, avakeo sakananare reo zay miditry."53Tafaran'ny nialan'i Jesôsy teo, dia nanohitry Azy ny mpanora-dalàgna ndraiky ny Fariseo aveo niady hevitry taminazy mahakasiky raha maro, 54sady niaizaka ny hamandriky Azy tamin'ny koragna faogna.Chapter 12
1Tamin'ny zany, koafa niara-nivôry ny vahoaka andrivony maro, fôntry loatra faogna kay nifandi-tongotro zareo, taigna voalaohany dia nanomboko nivaolagna tamin'ny reo mpianany Izy nagnanjao: "Tandremo ny masirasiran'ny reo Fariseo, zay fiatsarambelatsihy.2Fao tsisy takogno zay tsy hiboaka, aveo tsisy mivôny zay tsy ho hay. 3Kay na ino na ino volagninareo tao amin'ny hizigny dia ho regny amin'ny fahazavagna, avakeo zay nikoragninareo tantsôfigny tao agnaty efitragno dia hambara egny an-tampo-tragno.6Tsy avidy farantsa hely aroa moa ny tsintsigny dimy? Kanaifa tsisy araiky amin'ny regny zay hadigno akeo amin'ny mason-Jagnahary. 7Fao na ny vôlon-daohanareo aby dia voahisany jiaby. Aza ambory. Fao manan-danja mandilatra nohon'ny tsintsigny maro areo.8Hoizy Zaho aminareo, zay jiaby magneky Zaho eo agnatraihan'ôlogno, ny Zanak'Ôlogno faogna koa dia hagneky azy eo agnatraihan'ny reo anjelin-Jagnahary, 9fao zay tsy magneky Zaho eo agnatraihan'ôlogno dia holaviky eo agnatraihan'ny reo anjelin-Jagnahary. 10Zay jiaby mivaolagna manohitry ny Zanak'Ôlogno, dia hoavaila zany, fao zay jiaby mivaolagna ratsy manohitry ny Fagnahy Masigny ndraiky, dia tsy ho voavaila zany.11Koafa mitondra areo eo agnatraihan'ny Synagoga, reo mpanapaka, ndraiky reo manam-pahefagna zareo, dia aza magnahy ny amin'ny zay ho fomba fivolagnanareo, 12satria ny Fagnahy Masigny no hampianatra areo zay tôkony ho koragninareo amin'ny zany fotoagna zany."13Aveo nisy ôlogno araiky avy tao amin'ny reo vahoaka nivaolagna taminazy nagnanjao: "Oa mpagnanatra, volagno ny rahalahiky mbô hirasa laova aminaha." 14Jesôsy nivaolagana taminazy: "Ralehilahy, zôvy nagnano Zaho ho mpitsara na mpagnailagnailagna areo?" 15Hoizy Izy tamin-jareo: "Miambaisa mbô hitananareo ny haigninareo lavitry reo fagnirian-dratsy jiaby, satria ny fiaignan'ôlogno araiky dia tsy miankigny amin'ny fidoboky ny fanagnany."16Avakeo Jesôsy nagnano fagnohoaragna araiky taminjareo, nagnanjao: "Namokatra fôntry ny sahan'ny lalahy mpanakariagna araiky, 17aveo nagnontany taigna izy, nivaolagna nagnanjao: 'Ino no ho ataoko, fao tsy managna toairagna hikajiagna reo vokatra naha zaho?' 18Hoizy izy: 'Zao no hi tsaboky. Haratiky reo tragno fitoairam-bokatra naha dia hanangagna gaida tatokitry zaho, aveo ao amin'ny reo no hamoriako ny voako ndraiky reo vokatra hafa. 19Dia hivaolagna amin'ny fagnahinaha zaho magnanjao: "Oa fagnahy, anao dia managna vokatra maro voakajy hoamin'ny tagno maro. Mitsahara tsara, mihinàna, migiaha, miravoa."'22Jesôsy nivaolagna taminjareo mpianany nagnanjao: "Nohony zany dia koragniky aminareo, aza magnahy ny amin'ny haigninareo zay ho hoaninareo are, na ny mahakasiky haigninare zay ho zay hitafigny. 23Fao ny haigny mihoatra noho ny hanigny, avakeo ny vatagna mihoatra noho reo fitafiagna.29Aza mitady zay ho hoaninareo ndraiky zay ho giahinareo, aveo aza miahiahy.30 Fao reo firenena jiaby aketo amin'ny zao tontolo zao reo dia mitady regny raha regny, avakeo hainy Iadanareo fao mila regny areo.37Sambatra reo mpanompo, zay hitan'ny tompony fao niambigny koafa avy izy. Koragniky marigny aminareo, fao hisikigny lamba lavany amin'ny valahany izy, aveo hampidôko zareo eo an-databatra, kay hoavy izy aveo hanompo zareo. 38Raha hoavy amin'ny faharoa aby ny Tompo, na fotoagna fahatelo aby, kay mahita azy reo vôgnogno, dia hoa sambatra reo mpanompo reo.39Ho fagnampiny zany dia diniho zao, fao raha hainy tômpontragno ny fotoagna havian'ny mpangalatra, dia tsy nagnambaila tragnony hovakiny izy. 40Mivognaosa faogna koa, fao tsy hainareo fotoagna hiavian'ny Zanak'Ôlogno."45Fao raha mivaolagna ao am-pôny zany mpanompo zany magnanjao: 'Nahemotry ny tompoko ny fimpodianany,' kay manomboko mamono reo mpanompo lahy ndraiky vavy, avakeo mihinagna ndraiky migiaka, kay nanjary mamo, 46ny tompony zany mpanompo zany dia hoavy amin'ny andro tsy ampoiziny, aveo amin'ny fotoagna tsy hainy, ary hanapatapaka azy kay hagnomagna toairagna nazy miaraka amin'ny reo tsy mahatoky.47Zany mpanompo zany, nahay ny sitram-pôn'ny tompony, kanaifa tsy niomagna na nitsabo araka ny sitrapôny, dia ho bobohigny amin'ny fikapohagna maro. 48Fao zay tsy nahay aveo nitsabo zay magnaiva azahoagna kapoko ndraiky, dia ho bobohigny amin'ny fikapohagna hely. Fao reo jiaby zay namiagna maro, dia ho taigna maro no ho takigny aminazy, avakeo reo zay nanan-kanigny fôntry, dia ho maro mandilatra aby no hangatahigny aminazy.49Tonga Zaho hanompy môtro egny ambonin'ny tany, aveo hotra ny akôry ny fagniriako mbô hirihaitan'ny zany. 50Fao managna fanaovam-batisa mbô hitsaboagna batisa zaho, avakeo hotra ny akôry ny fijaliako mandra-pahatantairaka zany!54Nivaolagna tamin-jareo vahoaka koa Jesôsy nagnanjao: "Koafa mahita zavogno mifôrogno egny andraifagna areo, dia hoizy areo: 'Hoisy mahalegny hoavy,' aveo dia mitranga zany. 55Koafa misy rivotro mandaiha avy agny atsimo, dia hoizy areo: 'Hoisy hafanagna mafy hoavy,' ary mitranga zany. 56Oa mpiatsaravelatsihy, hainareo ny mandiniky toaitra'ny tany ndraiky langitry, fao akôry no tsy ahaizanareo mamantatra zao andro akeo zao?Chapter 13
1Tamin'ny zany andro zany, nisy ôlogno sasany teo nivaolagna taminazy mahakasiky reo Galiliana zay ny linjareo no nafangarony Pilato tamin'ny sôrogno manaokagna. 2Namaly Jesôsy avakeo nivaolagna taminjareo: "Areo moa mieritreritry fao reo Galiliana reo dia mpanota mihoatra noho reo Galiliana hafa jiaby satria nijaly hotra zany? 3Tsia, Zaho mivaolagna areo. Fao raha misy tsy mibaibaka areo, areo jiaby dia hofoaty hotra zany.4Na regny ôlogno valo ambiny fôlo tao Siloama zay nilavoan'ny tilikambo kay nahafaty zareo, mihevitry moa areo fao taigna mpanota ratsy mihoatra noho reo lalahy hafa tao Jerosalema regny? 5Tsia, hoy Zaho. Fao areo raha tsy mibaibaika, areo jiaby faogna koa dia hofoaty."6Jesôsy nagnano zao fagnohoaragna zao: "Nisy ôlogno nanagna kakazon'ny aviavy araiky navoly amin'ny tanim-boaloboka aveo tonga aveo nizaha voankakazo taminazy naifa tsy nahita na ino na ino. 7Lehy lalahy dia nivaolagna tamin'ny mpagnano vilogno: 'Tô, tonga teto zaho nandritra ny telo tagno avakeo niaizaka nitady voa tamin'ny toy kakazo aviavy toy naifa tsy nahita velively. Tapaho io. Nagnino io no ambaila mandratra ny tany.'8Namaly lehy mpagnano vilogno kay nivaolagna: 'Ambilao eo io alaoha amin'ny toy tagno toy mandra-pangadiako magnodidigny azy ndraiky hagnanaovako zeziky aminazy.9 Raha mamoa izy amin'ny tagno maraka, tsara; fao raha tsy zany, dia vonoy izy!"12Koafa nahita azy Jesôsy, dia nagnantso azy kay nivaolagna: "Ravehivavy, afaka amin'ny fahalimiagnanao anao."13 Napaitrany taminazy ny tagnany, avakeo niaraka tamin'ny zay dia nitraka lehy vaiavy aveo nihoby Zagnahary. 14Fao ny mpanapaka ny Synagoga dia vingitry noho ny fagnasitragnagna natan'i Jesôsy tamin'ny Sabata. Noho zany dia namaly lehy mpanapaka aveo nivaolagna tamin'ny vahoaka: "Misy enigny ny andro tôkony iasagna. Tongava kay mahivagna, fao ndraiky tsy amin'ny andro Sabata."15Ny Tompo namaly azy kay nivaolagna nagnanjao: "Mpiatsaravelatsihy! Moa tsy samy mamaha ny boriky na aombiny ao amin'ny valany areo kay mitondra zany higiaka rano amin'ny Sabata?16 Avakeo hotra zany koa toy zanaka vaiavin'i Abrahama, zay voafatotr'i Satana nandritry ny valo ambin'ny fôlo tagno toy, tsy tôkony mbô hivahagna moa ny fehiny amin'ny andro Sabata?"18Avakeo Jesôsy nivaolagna nagnanjao: "Haotrany manankôry ny fanjakan-Jagnahary, avakeo haotrany ino no afaka agnohoarako zany?"19 Zany dia haotran'ny voatsinapy zay nalaigny ndraiky nafafin'ny lalahy araiky tambilogno, kay nanjary kakazo gaida araiky, aveo ny vôron'ny Langitry dia nagnamboatra tragnony tamin'ny reo ratsany."20Mbôla nivaolagna faogna koa Izy nagnanjao: "Ino afaka hampitoviako fanjakan-Jagnahary? 21Zany dia hotrany masirasira zay nalain'ny vaiavy araiky kay nafangarony tamin'ny koba intelon'ny fagniraignagna mandra-piparitahany agnatin'ny koba jiaby."31Tafarahelin'ny zany, nisy Fariseo sasany havy aveo nivaolagna taminazy nagnanjao: "Mandihiana lahaoso ny aketo satria Heroda dia te-hamono Anao." 32Jesôsy nivaolagna: "Mandihiana avakeo volagno zany amboahaolo zany: 'Tô, zaho mandroaka masantôko ndraiky magnano fagnasitragnagna niany aveo amaraigny, aveo amin'ny andro fahatelo dia ho takako ny tanjoko.' 33Na ino na ino miboaka, zava-dehibe aminaha ny manôhy zeo, amaraigny, ndraiky ny andro magnaraka, satria tsy azo kehigny ny famonoagna mpagnazary lavitry Jerosalema.34"Oa Jerosalema, Jerosalema, zay mamono mpagnazary ndraiky manopy vato reo zay nirahigny tagny aminareo. Impiry zaho nagniry hamôry ny zanakareo hotra ny akôho vavy mamôry zanany ambany haimbany, naifa tsy nagniry zany areo. 35Tô, nilahaosagna tragnonareo. Zaho mivaolagna aminareo, tsy ho hitanareo Zaho ambara-pivolagnagna hoe: "Sambatra zay avy amin'ny agnaragna Tompo."'
Chapter 14
1Aveo tamin'ny Sabata araiky, koafa nandaiha amin'ny tragnon'ny araiky tamin'ny reo mpitariky ny Fariseo hihinagna môfo Izy dia nagnaramaso Azy narikitry zareo.2Tô, teo agnatraihany nisy lalahy araiky zay nampijalin'ny edema. 3Jesôsy nagnontany reo manam-pahaizagna amin'ny lalagnan'ny Jiosy ndraiky reo Fariseo nagnanjao: "Azo atao moa mampahivagna amin'ny andro Sabata, sa tsia?"4Fao zareo dia nangigny. Noho zany dia niraisin'ny Jesôsy izy, aveo nampahivagniny, dia nalaifany handaiha. 5Hozizy tamin-jareo: "Zôvy aminareo zay manan-janaka lalahy na aomby latsaka agnaty vôvo amin'ny andro sabata tsy hisintogno azy avy hatragny?"6 Zareo dia tsy nahavita nagnamia valiny amin'ny reo raha reo.12Jesôsy faogna koa dia nivaolagna tamin'ny lehy lalahy nagnasa Azy nagnanjao: "Koafa magnamia hanigny na fagnasagna anao, dia aza magnasa reo namanao na reo rahilahinao na reo marikitry anao na reo mpanankariagna magnodidigny anao, amin'ny mety hagnasany anao koa ho takalony zany, aveo ho voavaly anao.13Fao koafa magnano fagnasagna anao, asao ny mijaly, ny managna antsa, ny mandringa, aveo ny gila, 14dia ho sambatra anao, satria tsy afaka hamaly anao zareo. Fao anao dia ho voavaly amin'ny fitsanganan'ny marigny."15Koafa naharegny reo raha reo ny araiky tamin'ny reo niray latabatra tamin'i Jesôsy, dia nivaolagna taminazy izy nagnanjao: "Sambatra zay hihinagna môfo ao amin'ny fanjakan-Jagnahary!" 16Fao Jesôsy nivaolagna taminazy nagnanjao: ''Nisy lalahy araiky nikarakara hanigny lehibe aveo nagnasa ôlogno maro. 17Koafa voakarakara ny hanigny, dia nagniraka mpanompony izy hivaolagna zareo zay nasaigny nagnanjao: 'Mandrasa, fao raha jiaby dia afa vôgnogno.'18Izy jiaby dia nitôvy saigny avakeo nanomboko nagnano fialan-tsigny. Lehy voalaohany nivaolagna taminazy: 'Nividy saha zaho, kay tôkony hiboaka zaho aveo hizaha zany. Miala tsigny zaho.' 19Araiky hafa nivaolagna: 'Nividy aomby fôlo zaho, avakeo andaiha hamantatra zareo. Miala tsigny zaho.' 20Aveo nisy lalahy araiky hafa nivaolagna nagnanjao: "Voh avy nampaka-bady zaho, aveo noho zany dia tsy afaka ny hoavy zaho.'21Dia tonga lehy mpanompo avakeo nivaolagna tamin'ny tômpony reo raha reo. Aveo lehy tompon-tragno vingitry kay nivaolagna tamin'ny lehy mpanompony nagnanjao: "Mandihiana malaky egny amin'ny reo harabe ndraiky antsaifantsaifa-dalagna eto antanàgna ny mahantra, ny mandringa, ny gila, aveo ny kilemaigny.' 22Nivaolagna lehy mpanompo nagnanjao: 'Tompo, afa vita zay nibikonao, fao mbôla misy toeragna faogna.'25Avakeo vahoaka maro no nandaiha niaraka taminazy, aveo nitodiky Izy ary nivaolagna zareo nagnanjao: 26"Raha misy aminareo magnatogno Zaho aveo tsy malaigny babany, nininy, vadiny, zanany, reo rahilahy ndraiky reo rahavaviny, avakeo na ny fiaignany aby, dia tsy afaka ny ho mpianatro izy. 27Na zôvy na zôvy tsy mitondra ny kakazofijaliany aveo magnaraka Zaho dia tsy afaka ny ho mpianatra naha.31Na koa mpanjaka ino, raha handaiha hifanehitra amin'ny mpanjaka hafa amin'ny ady, no tsy hipaitraka alaoha avakeo hangala hevitry raha miaraka amin'ny lalahy ray aligny dia afaka hiady amin'ny mpanjaka hafa zay tonga manohitry azy miaraka amin'ny lalahy roa aligny? 32Raha tsy zany, raha mbôla lavitry ny tafiky hafa, dia mandaifa antoko izy aveo mangataka fepaitra ho amin'ny fihavanagna. 33Kay noho zany, na zôvy na zôvy aminareo tsy mahafoy zay jiaby hanagnany dia tsy afaka ny ho mpianatro izy.34Tsara ny sira, fao raha very ny tsiron'lehy sira, akôry no himpodianany hasira indraiky? 35Tsisy ilain'ny tany azy na dia zezi-tany aby. Ariagna faogna zany. Zay manan-tsôfigny ho antigny mitandregny, aoka izy hitandregny."Chapter 15
1Aveo reo mpamôry haitra jiaby ndraiky reo mpanota sasany dia havy teo amin'i Jesôsy mbô hitandregny Azy. 2Nifampimonimonigny reo Fariseo ndraiky reo mpanora-dàlagna, nivaolagna nagnanjao: "Io lalahy io dia mandray mpanota, avakeo miara-mihinagna amin-jareo lasiteo aby."3Jesôsy nitsabo zao fagnohoaragna zao tamin-jareo, nivaolagna nagnanjao: 4"Zôvy aminareo, raha managna ondry zato izy ary aveo very ny araiky amin'ny ziregny, no tsy hagnambaila ny sivy amby sivy fôlo agny an-tany maty, aveo handaiha hizaha lehy araiky very mandra-pahitavany azy? 5Aveo koafa hitany zany, dia availany eo an-tsarony aveo miravo izy.11Aveo Jesôsy nivaolagna nagnanjao: "Nisy lalahy araiky nanan-janaka aroa lahy, 12aveo ny faralahy tamin-jare nivaolagna tamin'ny iadany nagnanjao: 'Iada a, amiazo zaho ny anjara hariagna zay tôkony ho ninaha.' Koa dia nizaraigny tamin-jareo ny fanagnany.17Fao koafa tonga saigny lehy faralahy, dia nivaolagna izy nagnanjao: 'Firy amin'ny reo mpanompony iadako no managna hanigny mihoatra ny saha, aveo tô zaho, matin'ny tihinigna! 18Hingiako eto kay ho agny amin'ny iadako zaho, aveo zaho hivaolagna aminazy magnanjao: "Iada a, afa nanota tamin'ny langitry zaho, ndraiky tamin'ny masonao. 19Tsy magnaiva antsôvigny hoe zanakao eky zaho; atôvo hotra ny araiky amin'ny reo mpanompo zaho."20Noho zany nandaiha lehy faralahy kay nandaiha amin'ny iadany. Raha mbôla lavitry izy, dia hitan'ny lehy iadany, aveo tôhigny nangoraka, kay nihazakazaka, aveo nitôlogno sady nagnôroko azy.21 Lehy zanany lalahy nivaolagna nagnanjao: 'Iada a, afa nanota tamin'ny langitry ndraiky tamin'ny masonao zaho. Tsy magnaiva antsôvigny zanakao zaho.'22Lehy iada nivaolagna tamin'ny mpanompony nagnanjao: 'Ndeso malaky reo ankajo taigna tsara, kay ampiakanjoa azy, avakeo asio pairatra ny tagnany, ndraiky kiraro ny hongony. 23Avakeo ndeso lehy zanaka aomby matavy kay vonoy zany. Alôhy atsika hankalaza amin'ny lagnonagna! 24Satria ny zanako lahy dia maty, ary zeo velogno ndraiky.' Very izy, avakeo zeo hita indraiky.' Aveo dia nanomboko nikoragna zareo.28Vingitry lehy lahimatoa, aveo tsy nety niditry, dia niboaka iadany, aveo niangavy azy. 29Fao namaly lehy lahimatoa avakeo nivaolagna tamin'ny iadany nagnanjao: 'Zahavo, afa antagnony maro no nanompoako anao, aveo mbôla tsy nandika ny lalànao zaho, aveo anao tsy mbôla nagnamia na dia zanak'osy nafahako nikoragna niaraka tamin'ny reo namako aby, 30kanaifa koafa tonga ny zanakao lahy, zay nandriatra fanagnanao tamin'ny mpivaro-taigna, dia nivononao hoazy lehy zanak'aomby nafahy.'31Hoizy lehy iada taminazy: 'Zanako, anao dia miaraka aminaha faogna, avakeo zay jiaby nihinaha dia nihinao. 32Kanaifa rariny amintsika ny mikoragna sady miravo, satria tô rahilahinao dia maty, avakeo zeo dia velogno indraiky; very izy, aveo zeo dia hita indraiky."'Chapter 16
1Dia hoizy koa Jesôsy taminjareo mpianany: "Nisy lalahy mpanakariagna araiky nanagna mpitantagna, ary nitarigny tagny aminazy fao io mpitantagna io no nandany ny fanagnany jiaby. 2Koa nampagnantso azy lehy lalahy mpanan-kariagna aveo nivôlagna taminazy nagnanjao: 'Ino zany regniky mahakasiky anao zany? Magnamaiza tatitra mahakasikin'ny asa fitantanagnao, fao anao tsy ho afaka ny ho mpitandri-panagnagna eky.'3Ary lehy mpitandrim-panagnagna nivaolagna tagny an-tsainy nagnanjao: ''Ino eky no tôkony atako, fao magnala zaho amin'ny asa tantaniky ny tompoko? Tsy manan-kery hiasagna tany zaho, avakeo maignatra ny hangataka zaho. 4Haiky ny ho atako, koafa alagna amin' ny asa fitantanagna zaho, dia hampandroso zaho ao an-tragnonareo ny ôlogno.'8Aveo lehy tompo dia nidaira lehy mpitantagna tsy marigny satria niasa tamin-kafitsiagna izy. Fao tegna fetsy ny zanaka zao tontolo zano ny amin' ny fifagnarahagna aminjareo samy ôlogno noho ny zanaka ny fahazavagna. 9Mivaolagna aminareo Zaho, mizahava namagna amin'ny alalan'ny vola tsy marigny, amizay koafa lany zany, dia mety halainjareo amin' ny fitoeragna bariky dintany areo.10Zay mahatoky amin'ny hely dia mafatoky amin' ny maro koa, aveo zay tsy marigny amin'ny hely dia tsy marigny amin' ny maro koa. 11Raha tsy mahatoky amin'ny fampiasagna vaola tsy marigny areo, zôvy no hatoky areo amin'ny hariagna marigny? 12Raha tsy mahatoky amin'ny fampiasagna ny vaolan' ny ôlogno hafa areo, zôvy no hagnomia vaola hoanareo zeraiky?13Tsisy mpanompo afaka manompo tompo roa, fao na izy halany ny araiky dia ho tia ny araiky, na koa izy hanôlotro haigninazy ho an'ny araiky dia hagnano tsinontsinona lehy hafa. Tsy afaka manompo zagnahary ndraiky hariagna areo."14Aveo Fariseo, zay tia vaola, koafa naharegny zany raha zany, dia nagnamavo Azy zareo. 15 Nivaolagna taminjareo Izy nagnanjao: "Areo dia magnamarigny ny haigninareo akeo imason' ny ologno, fao Zagnahary mahay ny fônareo. Fao zay hampakarigny eo amin'ny ôlogno dia halanareo ekeo imasin-Jagnahary.19Ary nisy mpanankariagna araiky zay nisikigny lamba vôlomparasy ndariky rongôny misikigny aveo nankamamy isan'andro harem-beny. 20Nisy mpangataka araiky antsôvigny hoe Lazarosy nibidôko akeo amin' ny vavahadiny, feno bày, 21aveo nagniry mbô hinagna zay latsaka avy eo amboniny latabatra lehy lalahy mpanan-kariagna. Fao na ny amboa aza tonga ndraiky nilailatra ny bàiny.25Fao Abrahama nivaolagna nagnanjao: 'Zanaka, tsaroavy fao tamin'ny androm-piainagnao dia nahazo raha tsara anao, aveo ny an'i Lazarosy ndraiky raha ratsy. Fao amizeo izy atoy dia voatambitamby, ary anao akao amin'ny fangirifiriagna. 26Ankoatra zany jiaby zany, dia nisy taivagna gaida napaitraka, mbô tsy ho afaka hitsaka zay tihitsaka avy atoy hankagny aminareo, ary tsy afaka hitsaka avy agny handaiha aminay.'29Fao Abrahama nivaolagna: 'Managna an' i Mosesy ndraiky ny mpagnazary zareo; aoka regny hitandrignaisanjareo.' 30Ary namaly lehy lalahy mpanam-kariagna nagnanjao: 'Tsia, Abrahama Iada, fao raha misy avy amin' ny maty mankagny aminjareo, dia hibebaka zareo.' 31Fao Abrahama ndraiky nivaolagna nagnanjao: 'Raha tsy mitandregny an' i Mosesy aveo regny mpagnazary zareo, dia tsy ho resy lahatra faogna na misy ôlogno mitsangnagna amin'ny maty aza.'"
Chapter 17
3Mitandraima. Raha manota ny rahalahinareo, volagno mafy izy, aveo raha mibebaka izy, mamelà azy. 4Raha manota aminao impito ao agnatin' ny andro araiky izy, kay impito mimpôdy aminao izy, mivaolagna fao: 'Mibebaka zaho,' dia tsy maintsy mamela azy anao!"5Zareo apostoly nivaolagna tamin'ny Tompo magnanjao: "Ampitomboy ny finoagnanay." 6Ny Tompo nivaolagna: "Raha managna finoagna karaha voatsinampy areo, dia afaka mivaolagna amin'io vôrivôrinkakazo io hoe: 'Miongota, avakeo maniria an-dranomasigny,' dia hagneky areo izy.7Fao zôvy aminareo, managna mpanompo miasa tany na miambigny ondry, kay hivaolagna aminazy koafa tonga avy akagny an-tsaha izy magnanjao: 'Avia malaky aveo mantaira mbô hihinagna'? 8Fao tsy hivaolagna aminazy moa izy magnanjao: 'Karakaray raho hoanigny zaho, kay atôvy fehimboko magnodidigny ny ankanjonao dia manompoa zaho mandrapahalanin' ny hanigny naha aveo figiahagnanaha. Dia aveo anao mihinagna ndraiky migiaka'?9Tsy misaotra lehy mpanompo izy satria nagnao regny zay nibikoagna azy izy, sa misaotra magnomia fisaoragna izy? 10Na dia areo koa aza, koafa nahavita regny raha jiaby zay nandidiagna regny areo, dia tôkony hivaolagna magnanjao: 'Zahay dia mpanompo tsy mendriky. Zay tôkony nitsabonay faogna no nitsabonay.'"11Aveo raha nandaiha ho agny Jerosalema Izy, dia nandaiha teo amin' ny sisin-tany akeo agnailagnailan'i Samaria ndraiky Galilia. 12Koafa niditra akao amin'ny tanàgna araiky izy, dia nisy boka fôlo lahy nitratro taminazy tao. Nitsangagna lavitry Azy zareo 13aveo nagnampakatra agnambo ny feonjareo, nivaolagna nagnanjao: "Jesôsy, Tompo ô, mamindrà fô aminay."14Koafa nahita zareo Izy, dia nivaolagna taminjareo nagnanjao: "Mandihiana dia aboaho aminjareo mpisôrogno ny haigninareo."15 Raha igny lôsogno igny zareo dia nadio. Koafa nahita ny araiky taminjareo fao nahivagna izy, dia nimpôdy, niaraka tamin' ny feo agnambo nankalaza Zagnahary.16 Niankohoko teo an-tongotr'i Jesôsy izy, nanôlotro fisaoragna Azy. Izy dia Samaritana.17Ary Jesosy nivaolagna nagnanjao: "Tsy afa madio moa zareo fôlo? Fao aiza ny sivy? 18Tsisy hafa nimpôdy hagnomia vogninahitra Zagnahary moa? afa tsy tô vahiny tô?" 19 Ary hoizy Izy taminazy: "Mitsangàna, kay mandihiana. Ny finoagnanao no nankaivagna anao."20Raha nagnontonianjareo Fariseo nagnanjao: "afiriagna ny fanjakan-Jagnahary no ho tonga, dia namaly zareo Jesosy kay nivaolagna: "Tsy hita-maso ny faviagnan' ny fanjakan-Jagnahary. 21Tsy hivaolagna koa zareo magnanjao: 'Zahavo, tô lehy izy!' na hoe: 'Igny lehy izy!' Fao tô, ny fanjakan-Jagnahary dia akao agnatinareo."22Hoizy izy taminjareo mpianatra: "Avy ny andro hagnirianareo ny hahita ny araiky amin'ny andron'ny Zanak'ôlogno, fao tsy hahita zany areo. 23Ary zareo nivaolagna aminareo fao: 'Zahao, atoy!' Fao aza miboaka na magnindry zareo, 24fao karaha ny sinkelatra mazava koafa mitaratra avy akagny amin'ny ilany ny lanitra kay tonga akagny amin'ny ilany araiky, dia karaha zany ny Zanak'ôlogno amin'ny andronazy.25Fao voalaohany dia tsy maintsy hijaly amin'ny raha maro Izy ho tsy ikehin'ny tô taranaka tô. 26Karaha zay nandalo tamin'ny andron'i Noa, no hoisy koa amin' ny andron'ny Zanak'ôlogno. 27Nihinagna zareo, nigiaka, nanambady, natôlotro ho ampakarigny mandra-pahavian' ny andro zay nidiran'i Noa tao amin'ny sambofiara—ary tonga Safo-drano kay nandripaka zareo jiaby.28Karah zay niboaka tamin'ny andron'ny Lota—nihinagna sady nigiaka zareo, nividy ndraiky nivarotro, namboly ndraiky nitsabo tragno. 29Fao tamin'ny andro zay niboahan'i Lota avy tao Sodoma, dia môtro ndraiky solifara no nilatsaka avy t'an-dangitry kay nandripaka azy jiaby.30Dia karaha zany koa ny amin'ny andro hisehoan'ny Zanak'ôlogno. 31Amizany andro zany, aza misy ambaila halaka regny entagna ho agny ambailan'ny tragno zay akagny amin'ny tômpontragno; aveo aza ambaila himpôdy zay agny an-tsaha.32Tsaroano ny vadin'i Lota. 33 Na zôvy na zôvy mitady hagnavotro ny haigniny dia hahavery azy, fao na zôvy na zôvy hahavery ny haigniny dia hamonjy azy.34Magnambara aminareo Zaho, fao amizany aligny zany dia hoisy ôlogno aroa akeo ambonon'ny fandriagna araiky. Ny araiky halaigny, ary ny araiky ho availa. 35Ary hoisy aroavavy miaraka mandisa vary. Ny araiky halaigny, ary ny araiky ho availa." 36[Fagnamarihagna: regny fandikagna tegna tsara dia magnala ny andininy faha 36 magnanjao: "Hoisy arolahy agny an-tsaha; ny araiky halaigny, ary ny araiky ho availa."] 37Nagnontany Azy zareo nagnanjao: "Aiza Tompo?" ary Izy nivaolagna taminjareo nagnanjao: "Zay hamitrahagnan'ny faty, dia akagny koa no hoisy vôtoro hiaraka mivôry."Chapter 18
1Aveo izy nagnambara fagnoharagna taminjareo ny mahakasiky ny tôkony hivavahanjareo bariky aila, aveo tsy ho kivy, 2nivaolagna nagnanjao: "Tao amin'ny tanàgna araiky dia nisy mpitsara zay tsy natahotra Zagnahary aveo tsy nagnaja ôlogno.3Ary nisy mpitondra-tegna araiky akao amin'io tanàgna io, avakeo izy mandaiha aminazy mazàgna, nivaolagna magnanjao: 'Ampia zaho mbô hazahoako rariny magnoloagna ny fahavaloko.' 4Fao afa letrin'ny aila izy no tsy vôgnogno hagnampy azy, fao tafara hely ny zany nivaolagna tamin'ny haigniny izy nagnanjao: 'Na dia tsy matahotra Zagnahary aza zaho na tsy magnaha ôlogno, 5foa koa satria manahiragna zaho tô mpitondra-tegna tô, dia hagnampy azy zaho mbô hahazahoany rariny, mbô tsy handrairaka zaho nohon'ny fimpodimpidianany lava atô eky izy.'"6Aveo nivaolagna ny Tompo nagnanjao: "Tandrignaiso zay ambarany lehy tsy mpitsara tsy marigny. 7Avakeo tsy hitondra rariny hoany lehy voafidy zay magnantso mafy Azy andro aman'aligny koa moa Zagnahary?8 Ambarako aminareo fao hitonga rariny malaky aminjareo izy. Karaha zany koa, koafa tonga Zanak'ôlogno, hahita finoagna atô an-tany tatô be moa izy?"11Lehy Fariseho nitsangagna avakeo nivavaka reto raha mahakasikin' ny haigniny reto nagnanjao: 'Zagnahare e, misaotra Anao zaho fao tsy mitôvy amin'ny ôlogno hafa—mpangalatra, ôlogno tsy marigny, mpijangajanga—na karaha tô mpamôry hetra tô aby. 12Mifady hanigny indroa isan-kerigniandro zaho. Magnomia ny ampahafôn'ny lehy azoko jiaby zaho.'13Fao lehy mpamôry hetra, nitsangagna avy aroy lavidavitry, tsy nety nagnampakatra ny masony tagny amin' ny langitry, fao niteha-tratra, nivaolagna nagnanjao: 'Zagnahary e, mamindrà fô aminaha, mpanota.' 14Magnambara aminareo Zaho, io lalahy io dia nimpôdy nijôtso tagny an-tragnony maraindraigny no afa voavaila heloko noho lehy araiky, satria zay jiaby magnandrataigna dia hajôtso, fao zay jiaby manetry taigna no hampakarigny."15Ny ôlogno koa dia nitondra ny zanany hely Taminazy, mbô hikasihany, fao koafa nahita zany zareo mpianatra, dia nivaolagna mafy zareo.16Fao Jesôsy nagnantso zareo hagnatogno Azy, nivaolagna nagnanjao: "Ambilao ny zaza hagnatogno Zaho, ary aza sakanagna zareo. Fao agny karaha zareo ny fanjakan-Jagnahary.17Ambarako marigny aminareo, na zôvy na zôvy tsy halaka ny fanjakan-Jagnahary karaha ny zaza dia tsy hiditra akao amin'ny zany faogna."18Ary nisy mpanapaka araiky nagnontany Azy, nagnanjao: "Mpagnanatra tsara ô, ino tsy maintsy hi tsaboky mbô handovàko ny fiainagna bariky dintany." 19Jesôsy nivaolagna taminazy nagnanjao: "Nagnino Zaho no antsôvinao hoe tsara? Tsisy ôlogno tsara, afa-tsy Zagnahary araiky faogna. 20Hainareo didy—Aza mijangajanga, aza mamono ôlogno, aza mangalatra, magnajà ny iadanao ndraiky ny nininao." 21Nivaolagna lehy mpanapaka nagnanjao: "Zany jiaby zany dia afa nankatoaviky rango zaho tanora."24Ary Jesôsy, nahita azy, nanjary vignitry mafy [Fagnamarihagna: Zareo manam-pahaizagna dia mizara-hevitry raha tôkony ho ampidiragna eto ny teny hoe: [Izy] dia nanjary nalahelo mafy. Apitahao ny And 23] aveo nivaolagna nagnanjao: "Magnankôry ny fahasaraotagnan'ny fidiragna ao amin'ny fanjakan-Jagnahary hoanjareo zay mpanan-kariagna! 25Fao moramora foagna hoan'ny ramaiva ny hiditry amin'ny vôdim-pilo, nohon'ny hidiran'ny ôlogno mpanan-kariagna araiky amin'ny fanjakan-Jagnahary."26Zareo zay naharegny zany dia nivaolagna nagnanjao: "Zôvy ary no afaka ho vonjegny?" 27Jesôsy namaly: "Reo raha zay tsy hain'ôlombelogno dia hain-Jagnahary."28Petera nivaolagna nagnanjao: "Tô, niala raha jiaby zay nihinay zahay aveo nagnaraka Anao." 29Ary Jesôsy nivaolagna taminjareo nagnanjao: "Ambrako marigna aminareo, fao tsisy ôlogno zay nahafoy tragno, na vady, na rahalahy, na iadany maha nininy, na zanaka, nohon'ny fanjakan-Jagnahary, 30zay tsy hahazo fôntry amin'ny tô tany tô, avakeo amin'ny andro hoavy, dia fiainagna bariky dintany."31Koafa avy namôry ny aroa ambin'ny fôlo lahy teo Aminazy Izy, dia hoizy izy taminjareo nagnanjao: "Tô, miakatra hoagny Jerosalema atsika, kay regny raha jiaby zay voasaoratra zareo mpagnazary mahakasikin'ny Zanak'ôlogno dia ho tantairaka. 32Fao hatôlotro akeo amin'ny Jentilisa Izy, kay hamohaizagna, aveo halagna baraka, aveo handroroagna. 33Afaran'ny hamompoahagna Azy, dia ho vononjareo Izy aveo amin'ny andro fahatelo dia hitsangagna ndraiky Izy."34Tsy nahatakatra na ino na ino tamin'ny regny raha regny zareo, aveo navôny taminjareo zany koragna zany, avakeo tsy azonjareo ny raha zay voavaolagna.35Ary raha narikitry Jeriko i Jesôsy, dia nisy lalahy gila araiky nibidôko teo antsisin-dalagna nangataka,36 aveo raha naharegny ny vahaoka nandalo, dia nagnontany zay raha nandalo izy.37 Nagnambara zareo hoe nandalo teo Jesôsy avy akagny Nazareta.40Jesôsy nijanogno aveo nandigny mbô hitondragna lehy lalahy ho akeo aminazy. Ary koafa narikitry leha lalahy gila, dia nagnontany azy Jesôsy nagnanjao: 41"Ino no tianao hitsaboky aminao?" Nivaolagna izy nagnanjao: "Tompo, te-hahita zaho."42Jesôsy nivaolagna taminazy: "Mahitava. Ny finognanao no nampahivagna anao." 43Teo noho eo dia nahita izy aveo nagnaraka Azy, nagnamia vogninahitry Zagnahary. Ny ôlgno jiaby, koafa nahita zany, dia nanôlotro fiderana ho an'ny Zagnahary
Chapter 19
1Niditra Jesôsy aveo nandalo an'i Jeriko. 2Tô, nisy lalahy zay antsôvigny hoe Zakaiosy teo. Izy dia lehiben'ny mpamôry haitra sady nanankariagna.3Niaizaka ny hizaha izy hoe zôvy Jesôsy, kanaifa tsy afaka nahita tao agnivon'ôlogno, satria fohy izy. 4Kay nilomoay talaohaka reo ôlogno izy avakeo nagnaniky kakazon'aviavy araiky mbô hizaha Azy, satria handalo amin'ny zany lalagna zany Jesôsy.11Raha naharegny zany raha zany zareo, dia nanôhy ninainagna Izy avakeo nagnano fagnoharagna araiky, satria teo marikitry Jerosalema Izy, avakeo zareo nieritreritry fao hiboaka samby teo ny fanjakan-Jagnahary.12Noho zany Izy dia ninainagna nagnanjao: ''Nisy andriandahy araiky nandaiha tagny an-tany lavitry mbô hahazo fanjakagna ho an'ny haignianazy ndraiky himpôdy avakeo.13Nagnantso fôlo lahy tamin'ny reo mpanompo azy izy, avakeo nagnamia farantsa fôlo zareo, avakeo nivaolagna tamin-jareo nagnanjao: ''Manaova raharaham-barotro papiky zaha himpôdy.'' 14Kanaifa reo fokon'ôlogno nalaigny azy salakady nagnandaifa solontaigna nagnaraka azy, nivaolagna nagnanjao: ''Tsy ilainay ny hanjakan'io lalaha io aketo aminay.'' 15Avakeo koafa nimpôdy ndraiky reo mpagnaradia azy lehy namiany vaola mbô ho akeo aminazy izy, mbô hahaizany zay tômbony azon'njareo tamin'ny fanaovagna raharaham-barotro.16Havy teo alaohakanazy ny voalohany, nivaolagna nagnanjao: 'Tompo, ny farantsanao dia nahazo tômbony farantsa fôlo mihoatra.'17Ninainagna azy lehy tandapa nagnanjao: 'Tsara zany, mpanompo tsara. Noho anao natoky tamin'ny hely taigna hely, dia hanagna fahefagna amin'ny tagnàgna fôlo anao.'18Havy lehy faharoa, nivaolagna nagnanjao: 'Ny farantsagnao, Tompo, dia nahaifa farantsa dimy.'19 Avakeo ninainagna tamin'ny lehy tandapa nagnanjao: 'Hikarakara tanàgna dimy anao.'20Havy ny araiky hafa, nivaolagna: 'Tompo, tô ny farantsagnao, zay nakajiky tsara tao agnatin'ny lamba, 21fao natahotro anao zaho, satria lalahy masiaka anao. Kay mangala zay tsy napaitrakao, avakeo mijinja zay tsy nafafinao.'22Nivaolagna taminy lehy tandapa nagnanjao: 'Amin'ny koragnanao manaokagna no hitsarako anao, anao mpanompo ratsy totry. Hainao fao zaho dia lalahy masiaka, malaka zay tsy napaitrako, avakeo mijinja zay tsy nafafiky. 23Kay nagnino moa tsy napaitrakao tagny amin'ny mpikajy vaola ny vaolanaha, kay koafa nimpôdy zaho dia ho nangala zany niaraka tamin'ny zanany?'26Zaho mivaolagna aminareo, fao zay jiaby managna dia hamiagna mihoatra, fao zay tsy managna, na dia zay hely anagnany dia halaigny. 27Fao reo fahavaloko, zareo zay tsy nagniry zaho hanjaka akeo aminjareo, hento atô zareo ary vonoy eto ankilako.'''28Koafa avy nagnambara regny raha regny izy, dia nandaiha talaohaka, nakatra hoagny Jerosalema.29Ary koafa tonga akeo mariny betifaga ndraiky Betania Izy, teo amin'ny tanety antsovigny hoe oliva, dia nagniraka aroa tamin'ny reo mpianany Izy, 30nivaolagna nagnanjao: "Mandihiana akagny amin'ny tanagna hafa. Koafa miditry areo, dia hahita zanaboriky araiky mbôla tsary nitikinin'ôlogno lasitekiny. Vahao zany aveo hento atoy aminaha. 31Raha misy magnontany areo magnanjao: 'Magnino moa vahanareo zio?' dia ambaranareo magnanjao: 'Misy ilavan'ny Tompo azy.'32Zareo zay nirahigny dia nandaiha akagny nahita lehy zana-boriky araka ny nivolagnin'ny Jesôsy taminjareo. 33Raha teo ampamahagna zanaboriky zareo, dia hoizy zareo tompony taminjareo nagnanjao: "Nagnino vahanareo ny zana-borikinaha?" 34Nivaolagna zareo:"Misy ilavan'i Tompo azy." 35Nihentinjareo tagny amin'ny Jesôsy zany, avakeo napetraka zareo teo ambonin'ny zana-boriky ny lambany aveo nampatotry Jesôsy akeo amboniny. 36Raha nandaiha igny Izy, dia nivilarinjareo teo amin'ny làlagna ny lambanjareo.41Koafa nagnatogno tanagna Jesôsy, dia nitomoagny azy,42 nivaolagna nagnanjao: "Raha mbô hainareo moa amizeo andro zeo, egny anao, reo raha zay mitonga fiadanagna hoanao! Naifa amizeo regny dia mivôny amin'ny masonao.43Fao hoavy aminareo andro, zay hampitsanganan'ny fahavalo manda magnodidigny anao, aveo hagnodidigny anao, ary hanery anao amin'ny lafiny jiaby. 44Zareo dia handavo anao amin'ny tany miaraka amin'ny Zanakao. Tsy hagnapetraka na vato araiky mifampitikigny aza zareo, satria anao tsy nahay zany fony Zagnahary niezaka ny hamonjy anao.''47Aveo nampianatra isanandro tao am-piangonagna Jesôsy. Zareo laohan'ny mpisôrogno ndraiky zareo mpanora-dalagna aveo zareo mpitariky ny vahoaka dia hagnano hamono Azy, 48fao tsy nahita fomba hanaovagna zany zareo, satria navila nitandregny Azy aby ny vahoaka jiaby.
Chapter 20
1Ary andro araiky, raha nampianatra ny vahoaka tao amin'ny tempoly Jesôsy ary nitory ny vava maharavo, dia nagnatogno Azy zareo lohan'ny mpisôrogno ndraiky mpanora-dalagna niaraka tamin-jareo sojabe. 2Nivaolagna zareo, nagnanjao: "Ambarao zahay hoe amin'ny fahefagna ino moa hagnanaovanao regny raha regny? Na koa zôvy no nagnamia Anao zao fahefagna zao?"5Niady hevitry zareo, nivaolagna nagnanjao: "Raha hamaly atsika: 'Avy agny andangitry dia hivaolagna Izy magnanjao: ''kay nagnino areo tsy nino Azy?' 6Fao raha mivaolagna atsika magnanjao: 'Avy amin'ny ôlombelogno,' dia hanopy vato atsika ny vahoaka jiaby, satria zareo dia resy lahatra fao Jaona mpagnazary."7Noho zany dia namaly zareo fao tsy hainjareo zay niaviany. 8Jesôsy nivaolagna taminjareo nagnanjao: "Zaho tsy hagnambara aminareo zay fahefagna hagnanaovako zao raha jiaby zao."9Nivolagnin'ny tamin'ny vahoaka zao fagnohoaragna zao: "Nisy lalahy araiky nanagna tanim-boaloboko, nampagnaofa zany tamin'ny mpamboly voaloboko, aveo nandeha tagny amin'ny firenena hafa tagnatiny fotoagna aila. 10Tamin'ny laira voatondro dia nagnandefa mpanompo izy ho agny aminjareo mpamboly voaloboko, fao tôkony hagnomia azy ny voankazon'ny lehy tanimboaloboko zareo. Nipopohinjareo mpamboly anefa izy, aveo nalaifany nimpôdy tagnam-pôlo.11Avakeo nagnandefa mpanompo hafa ndraiky izy ary nipopohindreo koa, nalainy baraka, aveo nalefanjareo tagnampôlo.12 Mbôla nagnandefa fagnintelony izy aveo noratrainjareo koa izy, aveo niroahigny.13Noho zany dia nivaolagna ny tômpony lehy tanimboaloboko nagnanjao: 'Ino raha ataoko? Halaifako akagny ny zanako lahy tiako. Mety mbô hajainjareo izy.' 14Fao koafa hitanjareo mpamboly voaloboko izy dia nikoragna zareo, nivaolagna nagnanjao: 'Io lehy mpandova. Alohy ho vonontsika izy, biaka ho hazontsika ny lôva.'15Niroahinjareo niala ny tanimboaloboko izy aveo nivononjareo. Ino aveo no ho ataon'ny tômpony lehy tanimboaloboko aminjareo? 16Hoavy izy aveo hagnapotiky reo mpamboly voaloboko, avakeo hagnamia lehy tanimboaloboko amin'ny hafa. Koafa naharegny zany zareo, dia nivaolagna nagnanjao: "Sagnatria amin-Jagnahary!"17Fao nizaha zareo Jesôsy, nivaolagna nagnanjao: "Ino hevitry lehy voasaoratra hoe: 'Ny vato zay tsy nikehinjareo mpagnorintragno no nanjary vato fehizoro'? 18Ny tsiaraikiaraiky zay lavo ake agnivon'ny vato io dia tôrotôro. Fao na zôvy na zôvy no lavo, dia ho potiky."21Nagnontany azy zareo nivaolagna nagnanjao: "Mpampianatra ô! Hainay Anao fao mivaolagna ndraiky mampianatra am-pahamarinagna, ary tsy voasariky ny hevitry zôvy na zôvy, fao Anao dia mampianatra ny fahamarinagna mahakasiky lalàn-Jagnahary. 22Ara-dalagna aminay moa ny magnaifa hetra amin'i Kaisara, sa tsia?''25Nivaolagna Izy taminjareo nagnanjao: "Noho zany amiazo Kaisara ny raha jiaby nihin'i Kaisara, aveo amin'ny Zagnahary zay nihin-Jagnahary."26Tsy nahita tsigny tamin'izay nambarany teo agnatrehan'ny vahoaka zareo, fao dia gaga tamin'ny valin-teniny kay nangigny.27Koafa tonga teo aminazy ny sasany taminjareo Sadeseo, reo zay nivaolagna fa tsisy ny fitsanganagna amin'ny maty,28 nagnontany Azy zareo, nivaolagna nagnanjao: "Mpampianatra ô, Mosesy dia nanaoratra amintsika fao raha maty ny rahalahin'ny lalahy araiky, manambady, aveo tsy mananjanaka, dia tôkony halaka vady an'ny lehy vadin-drahalahiny lehy lalahy, aveo hagnomia zanaka hoan'ny rahalahany.29Nisy mpirahalahy fito aveo ny voalohany nanam-bady, avakeo maty tsy nanan-janaka, 30ary ny faharoa koa tôrotro zany. 31Nagnampakatra azy ny fahatelo, aveo karaha zany aby izy fito samy tsy nanan-janaka, aveo maty. 32Tafaran'ny zany dia maty lehy vaiavy. 33Amin'ny fitsanganagna amin'ny maty, ho vadin-jôvy ary izy? Fao samy afavy nanambady azy izy fito."34Jesôsy nivaolagna taminjareo nagnanjao: Zareo zanaka izao tontolo izao dia mampaka-bady ndraiky ampakarigny.35Fao zareo zay hita amin'ny zao andro zao fao magnaiva ny halaka ny fitsanganagna amin'ny maty dia tsy hampaka-bady na hampakarigny.36Tsy hofoaty eky zareo, satria mitôvy amin'ny reo anjely ndraiky reo zanaka Zagnahary, zay zanaka ny fitsanganagna amin'ny maty.37Fao ny maty dia natsangagna na Mosesy aza dia mampiseho, teo amin'ny lehy toeragna zay nisy voaroy, zay nagnantsaovany ny Tompo ho Zagnaharin'i Abrahama ndraiky Zagnaharin'i Isaka aveo Zagnaharin'i Jakoba. 38Ary Izy dia tsy Zagnaharin'ny maty, fao nihin'ny velogno, satria ny raha jiaby dia velogno ao aminazy.''39Ny sasany taminjareo mpanoradalagna namaly nagnanja: "Mpagnanatra ô, namaly tsara Anao." 40Satria tsy nahasaiky nagnapetraka fagnintaniagna hafa taminazy eky zareo.41Jesôsy nivaolagna zareo nagnanjao: ''Manankôry no agnambaranjareo fao Kristy dia zanaka lahin'i Davida? 42Fao Davida vaokany no nivaolagna tao amin'ny bokiny salamo magnanjao: "Ny Tompo nivaolagna tamin'ny Tompoko: 'Mibidaoha akao antanagna ankaheriko, 43papiky agnanaovako ny fahavalonao ho fambilagna hongotro.' 44Noho zany Davida dia nagnantso Kristy hoe: 'Tompo,' kay manakôry no maha zanak'i Davida Azy?''45Tagnatrehan'ny ôlogno jiaby dia nivaolagna taminjareo mpianany Izy nagnanjao:46"Mitandrema amin'ny mpanora-dalagna, zay magniry handaiha miaraka amin'ny ankajo lava, ndraiky tia fiarahabaagna manaokagna egny an-tsaina, aveo dabilio voalohany ao agnaty synagoga, aveo toeragna voalohany agny amin'ny fagnasagna.47Zareo koa mandany ny tragnonjareo mpitondra tegna, aveo magnano vavaka lavareny ho fisehosehoagna. Ny lalahy karaha zany dia hahazo fagnamelaohagna bahery gaida."
Chapter 21
1Jesôsy nanopy maso kay nahita reo lalahy manankariagna zay nadatsaka fagnatiry zareo tao amin'ny fandatsahan-drakitry. 2Nahita mpitondra-tegna mijaly araiky nandatsaka farantsa aroa tao Izy. 3Kay hoy Izy nagnanjao: Ambarako marigny aminareo, tô mpitondra-tegna mijaly tô dia nandatsaka fôntry noho izy jiaby. 4Ireo jiaby ireo dia nagnamia fagnatitry araka ny hafontrizan'ny hariagnany. Fao tô mpitondra-tegna tô, tamin'ny fahantragnanazy, dia nandatsaka ny fivilaomany jiaby.''7Koa nagnontany Azy zareo nagnanjao: "Oa Mpagnanatra, afiriagna reo raha reo hiboaka? Ino no ahaizagna koafa hiboaka reo raha reo?" 8Jesôsy namaly nagnanjao: "Mitandrema biaka tsy ho voafitaka areo. Fao maro no hoavy amin'ny agnarako, hagnano hoe: 'Izaho no izy,' ary, 'Efa marikitry ny fotoagna.' Aza magnaraka zareo. 9Koafa maharegny ady ndraiky fikomiagna areo, dia aza mangorohoro, fao reo raha reo tsy maintsy hiseho alaohaka, fao ny farany dia tsy hiseho eo no eo.''10Ary hoizy Izy taminjareo: "Ny firenena hitsangagna hanohitry firenena, aveo fanjakagna hanohitry fanjakagna. 11Hoisy horohoro-ntany gaida, aveo tihinagna ndraiky areti-mandrignagna agny amin'ny toeragna samihafa. Hoisy raha mampatahotro avakeo famantaragna gaida avy agny andangitry.12Fao mialaoha reo raha reo, dia hanambotro areo zareo aveo hagnenjiky areo, hanôlotro areo akao amin'ny synagoga ndraiky figadragna, hitondra areo agnatraihanjareo fanjakagna ndraiky reo mpanapaka nohon'ny Agnarako.13Zany dia hagnomia fahafahagna ho amin'ny fitsanganagna antomoa.20Koafa hitanareo voakodidigny miaramila Jerosalema, dia diniho fao afa marikitry ny faharavany. 21Dia aoka reo akagny Jodia hilaifa agny antanety, aveo aoka reo zay akagny agnivontanagna hilaifa, aveo aza ambaila hiditry akao zareo zay agny ambanivôlo. 22Fao reo no andron'ny valifaty, mbô ho tô reo raha jiaby afa voasoratra.23Loza hoanareo zay mitondra vahoaka ndraiky hoan-jareo mampinono aminjany andro zany! Fao hisy fahoriagna gaida ao amin'ny tany, avakeo hatizairagna amin'io vahoaka io. 24Ho lavon'ny bôriziny zareo aveo ho ndesigny ho babo agny amin'ny firenena jiaby, aveo Jerosalema dia ho voajibajiban-jareo Jentilisa papiky tantairaka ny andron'ny Jentilisa.25Hisy famantaragna agny amin'ny masaova, agny amin'ny volagna, ndraiky agny amin'ny lakintagna aveo aketo antany. Ho azom-pahoriagna reo firenena, hitaintaigny nohon'ny rimorimon'ny ranomasigny ndraiky reo daroba. 26Hisy lalahy ho toragna hamboriagna ndraiky fiandrasagna reo raha zay ho avy eto an-tany. Fao ho voahôzongôzogno ny ngôvon'ny langitry.27Avakeo dia ho hitanjareo ny Zanak'ôlogno havy egny amin'ny zavogno miaraka amin'ny ngôvo ndraiky vogninahitry gaida.28 Fao koafa manomboko miboaka reo raha reo, dia mitsangàna aveo ahingano ny lohanareo, satria afa marikitry ny fagnafahagna areo."29Nitsabo fagnohoaragna tamin-jareo Jesôsy nagnanjao: "Zahavo ny kakazon'ny aviavy, ndraiky reo kakazo jiaby. 30Koafa manaroko reo, dia ho hitanareo manaokagna fao afa marikitry ny laohotaogno. 31Hotra zany faogna koa, koafa hitanareo miboaka reo raha reo, dia diniho fao afa marikitry ny fanjakan-Jagnahary.37Koa nandritry andro dia nampianatra tao amin'ny Tempoly Izy, aveo ny aligny dia nandeha niboaka Izy aveo nijanogno teo an-tanetin'ny oliva. 38Ireo vahoaka jiaby dia tonga letry marandrain-dratsy mbô hitandregny Azy tao amin'ny Tempoly.
Chapter 22
1Ary afa marikitry ny firavoravoagna amin'ny Môfo Tsisy Masirasira, zay antsôvigny hoe Paska. 2Niady hevitry reo laohan'ny mpisôrogno ndraiky reo mpanora-dàlagna ny amin'y fomba afahan-jareo momono Jesôsy, satria natahotro ôlogno zareo.3Aveo Satana niditry tamin'i Jodasy Iskariota, zay araiky tamin'ny reo tamin'reo aroa ambinifôlo. 4Jodasy nandaiha tamin'ny reo laohan'ny mpisôrogno ndraiky reo kapiteny avakeo niady hevitry tamin-jareo ny amin'ny fomba hamadihany Jesôsy eo amin-jareo.10Namaly zareo Izy nagnanjao: "Tandrignaiso, koafa miditry antanagna areo, dia hoisy lalahy araiky mitondra sehon-drano hifanôjy aminareo. Magnaraha azy agny amin'ny zay tragno itsofaorany. 11Dia volagno ny tômpontragno hoe: ''Ny Mpagnanatra mivaolagna aminao hoe: 'Aiza ny efitragno fandraisam-bahiny, zay hihinanako ny hanign'ny Paska miaraka amin'ny reo mpianatro?'''14Koafa tonga ny fotoagna, dia nantotry niaraka tamin'ny reo apstoly Izy. 15Dia nivaolagna tamin-jareo nagnanjao: "Nagniry mafy ny hihinagna tô paska tô miaraka aminareo Zaho alaohaka ny hijaliako. 16Fao volagniky aminareo, tsy hihinagna tô eky Zaho, papiky tantairaka zany akagny amin'ny Fanjakan-Jagnahary."17Dia nalaka kapoaka Jesôsy, aveo koafa nigiaka Izy, dia nagnanjao: "Raiso tô, avakeo zarao aminareo.18 Fao volagniky aminareo, tsy higiaka ny vokatry ny voaloboko eky Zaho, papiky havy ny fanjakan-Jagnahary."19Dia nandray môfo Izy, koafa nigiaka, dia nitapahiny zany, aveo namiany zareo, dia nivaolagna nagnanjao: "Tô ny haigninaha zay amiagna areo, Atôvy zao ho fahatsiarovagna Zaho." 20Niraisiny hotra zany koa ny kapoaka koafa vita fihinanagna, dia hoizy Izy nagnanjao: "Tô kapoaka tô dia lehy fagnikiagna vava amin'ny linaha, zay nalatsaka hoanareo.21Fao mitandraima. Lehy araiky zay hamadiky Zaho dia miaraka Aminaha aketo andatabatra.22 Fao ny Zanak'Ôlogno dia mandaiha tatôkitry araka zay voatendry. Fao loza ho nihin'ny zany lalahy zay hamadiky Zaho zany!"23 Nanomboko nifangnontany zareo ny amin'ny araiky amin-jareo zay mety hagnano zany.24Dia nisy malomalo nitranga koa teo aminjareo mahakasiky zay hevirigny ho taigna gaida aminjareo. 25Nivaolagna tamin-jareo Izy: "Reo mpanjakan'ny Jentilisa dia tomponjareo, avakeo reo zay managna fahefagna aminjareo dia atao ho hotra reo zay magnano tsara ho nihin'ny vahoakany.28Fao areo no ôlogno zay nanôhy niaraka Taminaha tao amin'ny fankam-panahy nahazo Zaho.29 Amiako fanjakagna areo, hotra ny Iadako koa zay nagnamia fanjakagna Zaho, 30mbô ho afaka hihinagna ndraiky higiaka akeo andatabatra agny amin'ny fanjakako areo, ary hipaitraka eo amin'ny dabilio fiandrianana hitsara ny fokon'ny Israely aroa ambin'ny fôlo areo.31Simona, simona, mitandraima, mitady ny hahazo areo Satana, mbô afahany misivagna areo hotra ny vary.32 Fao nivavaka hoanao Zaho, mbô tsy hofoaty ny finoagnanao. Afaran'ny himpodianako indraiky, dia ampaheraizo reo rahalahinao."35Dia nivaolagna taminjareo Jesôsy: "Koafa nandaifa areo tsy niaraka tamin'ny fipitraham-bola, kitapombatsy, na kiraro Zaho, nisy raha tsy ampy areo moa? "Namaly zareo nagnanjao: "Tsisy." 36Dia nivaolagna tamin-jareo Izy nagnanjao: "Fao zeo, zay managna fipitraham-bola, aoka izy halaka azy, na kitapom-batsy faogna koa. Zay tsy managna meso dia tôkony hiavarotro ny lambanazy aveo hividy araiky.43Dia nisy anjely avy tandangitry niboaka taminazy, nampahery Azy.44 Tao agnatin'ny fangirifiriagna, nivavaka tamin-kafanam-pô taigna mafy Izy, avakeo ny hatsimbohany dia nanjary hotra lio nitete tamin'ny tany.45Ary koafa nitsangagna avy nivavaka Izy, dia nandaiha amin'ny mpianatra, avakeo nahita zareo nandry nohon'ny alahelon-jareo, 46kay nagnontany zareo nagnanjao: "Nagnino mandry areo? Mitsangana avakeo mivavaha, mbô tsy hidiranareo amin'ny fakampagnahy."49Koafa nahita raha nitranga reo zay nagnodidigny Jesôsy, dia nivaolagna zareo nagnanjao: "Tompo, tôkony hamely amin'ny meso moa zahay? 50Aveo ny araiky tamin-jareo namely ny mpanompon'ny mpisoronabe, avakeo nanapaka ny sôfiny ankahery. 51Jesôsy nivaolagna nagnanjao: "Ampy zay!" Nikasihiny ny sôfiny, aveo nampahivagniny izy.52Jesôsy nivaolagna tamin'ny laohan'ny mpisôrona, tamin'ny reo kapitenin'ny tempoly, aveo tamin'ny reo sojabe zay tonga hanohitry Azy nagnanjao: ''Tonga hotra ny hanambotro mpangalatra moa areo, miaraka amin'ny meso ndraiky koboay? 53Tamin'ny Zaho niaraka taminareo isan'andro tao an-tempolo, tsy nisambotro Zaho areo. Fao zao no fotoagnanareo, ndraiky fahefagnan'ny haizigny."56Nisy mpanompo vaiavy araiky nahita raha nidôko teo amin'ny fahazavagnan'ny môtro izy, ary nizaha mahitsy azy ndraiky nivaolagna nagnanjao: "Tô lalahy tô koa niaraka taminazy." 57Fao Petera nandà zany, nivaolagna nagnanjao: "Oa vaiavy, tsy haiko Izy."58 Afaka helihely dia nisy ôlogno hafa nahita azy, aveo niavaolagna nagnanjao: "Anao koa araiky aminjareo. "Fao Petera nivaolagna: "Oa lalahy, tsy izy Zaho."63Aveo reo lalahy niambigny Jesôsy dia nigaodangaodagna aveo namboko Azy. 64Nasian-jareo sôrogno Izy avakeo nagnintany Azy zareo, nivaolagna nagnanjao: "Maminanaia! Zôvy lehy ôlogno zay mamboko Anao? 65Nivaolagna raha hafa maro hanohitry Jesôsy zareo, nivaolagna ratsy Azy.69Fao manomboko zeo, ny Zanak'Ôlogno dia hidôko akeo an-tanagnagna ankaherin'ny ngôvon-jagnahary." 70Izy jiaby nivaolagna nagnanjao: "Dia zanaka Zagnahary zany Anao?" Jesôsy nivaolagna tamin-jareo: "Voalazanareo fao Zaho no Izy." 71Zareo nivaolagna: Nagnino mbôla mila antomoa atsika? Fa atsika lasite no nahiregny avy tamni'ny vavanazy."
Chapter 23
1Nitsangagna ny ôlogno jiaby taminjareo, aveo nitondra Jesôsy tagnatraihan'i Pilato. 2Nanomboko niampanga Azy zareo, nivaolagna nagnanjao: "Hitanay tô lalahy tô nametavaita firenenay, nanakagna ny hagnomaizagna ny hetra hoan'i Kaisara, aveo nivaolagna fao Izy haigniny lasite no Kristy, mpanjaka"8Koafa hitan'i Heroda Jesôsy, dia taigna ravoravo izy, satria afa tehita Azy letry ny aila. Naharegny ny mahakasiky Azy izy aveo nagnantaigna hahita fahagagagna maro nitsabony. 9Heroda namaitram-pagnontaniagna tamin'i Jesôsy tamin'ny vaolagna maro, naifa Jesôsy tsy namaly na ino na ino azy. 10Reo lohan'ny mpisôrogno ndraiky reo mpanora-dàlagna nitsangagna, niampanga mafy Azy.15Tsia, na dia Heroda aby, satria nalaifany nimpôdy tatoy amintsika Izy, aveo zahavo, tsisy na ino na ino zay magnaiva fahafataisagna vitany. 16Noho zany dia ho faiziko Izy, avakeo havôtsotro Izy." 17[Fagnamarihagna: Ireo fandikagna taigna tsara dia tsy magnisy ny and 17 hoe: Ary Pilato dia votery namôtsotro gadra araiky hoan'reo Jiosy tamin'ny andro firavoravoagna.]18Fao niaraka nangaiky mafy zareo nagnanjao: "Ento agny io lalahy io, avakeo avotsôry hoanay Barabasy!" 19Barabasy dia lalahy araiky zay naiditry angandra nohon'ny fikomiagna maro tao an-tanagna sady famonoagna ôlogno.23Fao zareo nagnizingizigny tamin'ny feo agnambo, nangataka Azy mbô hifantsaihagna. Ny feon-jareo dia nandresy lahatra Pilato.24 Kay dia nanapa-kevitry ny hagneky ny fangatahan-jareo Pilato.25 Navôtsotro lehy araiky nangatahin-jareo zay nalaifa tagny angadra nohon'ny fikomiagna ndraiky famonoagna ôlogno. Fao natôlony ho amin'ny sitrapôn-jareo Jesôsy.26Ary teo am-pitondragna Azy zareo, dia nitagna Simona avy agny Syrenia, zay avy agny ambanivôhotro, avakeo napaitraka zareo taminazy kakazo fijaliagna mbô ho entigny nagnaraka Jesôsy.27Maro tamin'ny reo vahoaka, ndraiky reo vaiavy zay nalahelo mafy ndraiky nisaona Azy, no nagnaraka Azy. 28Fao koafa nitodiky tagny aminazy zareo, dia nivaolagna Jesôsy nagnanjao: "Oa zanakavavin'i Jerosalema, aza mitomoagna Zaho, fao mitomagnaia hoan'ny haigninareo ndraiky hoan'ny reo zanakareo.29Fao tô, hoavy ny andro zay hivolagnan'izy reo magnanjao: 'Sambatra reo momba ndraiky reo kibo zay tsy nitairaka, aveo ny nono zay tsy nampinonoagna zaza.'30 Ary hanomboko hivaolagna amin'ny reo tanety zareo magnanjao: 'Milavoa aminay,' avakeo amin'ny havoagna hoe: "Manarogna zahay.''31 Fao raha magnano zany raha zany zareo raha mbôla mahitso ny kakazo, ino no hitranga koafa maigny zany?''32Nisy lalahy hafa, ôlon-dratsy aroa, nihentigny niaraka taminazy mbô hovonogno.35Dia nitsangagna nizaha teo reo ôlogna raha mbôla nigaodagaodagna Azy koa reo mpanapaka, nivaolagna nagnanjao: "Nagnavotro reo hafa Izy. Ambilao Izy hagnavotro ny haigniny, raha Izy no Kristin-Jagnahary, lehy araiky voafidy."39Ny araiky tamin'ny reo ôlon-dratsy zay nihantogno teo no namingavinga Azy tamin'ny nivolagnany nagnanjao: "Tsy Anao moa Kristy? Avaoty ny haigninao ndraiky zahay." 40Fao ny araiky nivaolagna mafy azy, nagnanjao: "Tsy mbô matahotro Zagnahary moa anao, raha samy ambanin'ny fagnamelohagna mitôvy faogna? 41Atsika eto taigna ara-drariny, satria mandray zay magnaiva atsika atsika. Fao tô lalahy tô tsy nagnano raha ratsy."44Ary laira faha-enigny teo ho eo tamin'ny zany, aveo ny hizigny avy nandrakotro ny tany jiaby zisiky laira fahasivy45 raha nahay mahizigny ny hazavagnan'ny masaova. Aveo ny lamban'ny tempoly dia nizara avy teo agnivony.46Nangaiky tamin'ny feo mafy, Jesôsy nivaolagna hoe: "Iada a, eo antagnagnao no ambilako Fagnahinaha." Koafa avy nivaolagna zany, dia maty Izy. 47Koafa hitan'ny lehy kapiteny ny raha nitranga, dia nagnamia vogninahitry Zagnahary izy, nivaolagna: "Taigna azo antoko fao ôlomarigny tô lalahy tô."48Koafa hitanjareo jiaby jiaby zay niara-tonga ho antomoa nagnatri-maso reo raha nitranga reo, dia nimpôdy nanaifatratra zareo.49 Fao reo jiaby zay nahay Azy, ndraiky reo vaiavy zay nagnaraka Azy avy agny Galilia, dia nitsangagna tegny lavidavitry, nizaha zany raha zany.50Ary tô, nisy lalahy araiky antsôvigny hoe Josefa, zay mpikambagna tao amin'ny Synedriona. Ôlogno tsara salakady marigny izy. 51Io lalahy io dia tsy nagnakaiky ny fanapahankevitry ny synedriona ndraiky ny asan-jareo. Avy agny amin'ny tanàgnan'ny Jodia tagny Armatia izy; aveo izy dia nitady ny fanjakan-Jagnahary.52Io lalahy io, raha nagnatogno Pilato, dia nangataka ny vatagnan'i Jesôsy. 53Nalainy nijôtso zany, nibadôfany hariry mandiniky, avakeo nambailany tao agnaty fasagna araiky zay nivakiagna tamin'ny vatolampy, zay tsy mbôla nisy ôlogno nalevigny.54Andron'ny fiomanagna tamin'ny zany, aveo mbôla nazava ratsy ny sabata.55 Reo vaiavy, zay niaraka tamin'i Jesôsy niala tao Galilia, dia nagnaraka avy ao afara aveo nahita ny fasagna ndraiky ny fomba namaitrahagna ny fatiny. 56Nimpôdy zareo, aveo nagnomagna raha mangitry ndraiky menaka mangitry. Avakeo tamin'y sabata dia nitsahatra zareo araka ny didy.
Chapter 24
1Voh marandraigny tamin'ny andro voalaohan'ny herigniandro, dia nandaiha tagny amin'ny fasagna zareo, nitondra reo raha mangitry zay nikarakarain-jareo.2 Hitan-jareo niala lavitry ny fasagna lehy vato. 3Nitsôfotro zareo, kanaifa tsy nahita ny vatan'ny Tompo Jesôsy.4Avakeo, koa mbôla sahiran-tsaigny mahakasiky zany zareo, tampoko teo, dia nisy lalahy aroa nitsabo lamba mangilangilatra nitsangagna tankilanjareo. 5Koafa feno hamboriagna reo vaiavy dia niankohaka tamin'ny tany, nivaolagna tamin'ny reo vaiavy zareo hoe: Nagnino areo mitady ny velogno atoy amin'ny maty?6Tsy akato Izy, fao afa nitsangagna! Tsarovy ny nivolagniny taminareo faha Izy mbôla tagny Galilia, 7nivaolagna fa Zank'ôlogno dia tsy maintsy hatôlotro antagnan'ôlogno mpanota kay ho fantsihagna akeo amin'ny kakazo fijaliagna, avakeo amin'ny andro fahatelo dia hitsangagna ndraiky."8Reo vaiavy dia nahatsiaro reo vaolagna nazy, 9kay nimpôdy avy tagny amin'ny fasagna avakeo nivaolagna raha jiaby zany tamin'ny araiky ambiny fôlo ndraiky ny ambiny jiaby. 10Aveo Maria magdalena, Johana, Maria ninin'i Jesôsy, Jakoba, aveo reo vaiavy hafa niaraka taminazy dia nitatitry zany raha zany tamin'ny reo apostoly.11Fao zany hafatra zany dia hotra tsisy dikany tamin'ny reo apostoly, kay tsy nino reo vaiavy zareo.12 Kanaifa nitsangagna Petera, dia nilomoay nandaiha amin'ny fasagna, avakeo nondriky ndraiky nizaha tao, dia nahita reo lambam-paty nitaokagna. Avakeo Petera nôdy tagny an-tragno, nagnontany taigna ny amin'ny zay raha nitranga.13Igny, ny aroa tamin-jareo nandaiha tamin'ny andro io hoagny amin'ny tanagna antsôvigny hoe Emaosy, zay enim-pôlo stadio miala Jerosalema.14Zareo dia nifampikoragna mahakasiky reo raha jiaby zay nitranga.15Aveo, raha niaraka nikoragna ndraiky nira-namaitraka fagnontaniagna zareo, dia nagnatogno aveo nandaiha niaraka tamin-jareo Jesôsy. 16Fao ny masonjareo dia nisakanagna mbô tsy hahay Azy.21Kanaifa zahay nagnantaigna fao Izy no lehy hagnafaka Israely. Ia, avakeo ankoatran'ny zany jiaby zany, telo andro amin'ny niany zao no nitrangan'ny zany raha jiaby zany.25Jesôsy nivaolagna tamin-jareo nagnanjao: "Oa lehilahy laifaka sady votsa diniky vao mino reo jiaby nivolagnin'ny mpagnazary! 26Moa tsy nilaigny hoan'i Kristy ny nijaly tamin'ny regny raha regny, kay hiditry agny amin'ny vogninahiny?"27 Aveo nanomboko tamin'i Mosesy kay zisiky amin'ny reo mpagnazary jiaby, dia nadikan'i Jesôsy tamin-jareo ao amin'ny Saoratra Masigny mahakasiky haigniny.30Avakeo, koafa nantotry mbô hiaraka hihinagna tamin-jareo Izy, dia nalaka môfo, nisaotra, salakady namaky zany, aveo nagnamia zany zareo. 31Aveo nisaokatra ny mason-jareo kay nahay Azy, aveo nanjavogno teo amin'ny mason-jareo Izy. 32Izy reo nifampivaolagna nagnanjao: "Moa ny fôntsika tsy niraidaraida tao agnatintsika, raha nivaolagna tamintsika tegny an-dalagna Izy, raha nanaokatra Saoratra Maisigny tamintsika Izy?"33Nitsangagna zareo tamin'io fotoagna io, kay nimpôdy tagny Jerosalema. Nahita reo araiky ambinifôlo niaraka nivôry zareo, ndraiky reo zay niaraka tamin-jareo, 34nivaolagna nagnanjao: "Ny Tompo dia taigna nitsangagna, aveo niboaka tamin'ny Simona."35 Koa nivolagninjareo zay raha nitranga tegny an-dalagna, ndraiky fomba niboahan'i Jesôsy tamin-jareo tamin'ny fanapahagna lehy môfo.38Jesôsy nivaolagna taminjareo nagnanjao: "Magnino areo ambory? Nagnino misy fagnontaniagna ampônareo? 39Zahavo tagnagnanaha ndraiky hongotroanaha, fao Zaho taignako tô. Kasiho Zaho kay zahavo. Fao ny fagnahy tsy managna nôfo ndraiky tahaolagna, hotra ny ahitavanareo Zaho hoe managna." 40Koafa nivaolagna zany Izy dia naboakany tamin-jareo ny tagnany ndraiky hongony.41Mbôla tsy nino zareo nohon'ny haravoagna, aveo gaga zareo. Jesôsy nivaolagna zareo nagnanjao: "Managna raha hoanigny moa areo?"42 Namianjareo lako voatôno izy,43kay nalainy zany aveo nohoaniny teo agnaitrahan-jareo.44Izy nivaolagna tamin-jareo nagnanjao: "Tamin'i Zaho niaraka taminareo, dia nivaolagna taminareo fao zay jiaby voasaoratra tao amin'ny lalàn'i Mosesy ndraiky reo mpagnazary aveo reo Salamo dia tsy maintsy ho tantairaka."45Avakeo nisokoafiny ny saignin-jareo, mbô hahazon-jareo ny Saoratra Masigny. 46Nivaolagna zareo Izy nagnanjao: "Zao no voasaoratra, fao lehy Kristy dia hijaly, aveo hitsangagna amin'ny maty indraiky amin'ny andro fahatelo. 47Fibaibahagna ndraiky famotsaoran-keloko no tôkony ho torigny amin'ny agnarany akagny amin'ny firenena jiaby, manomboko ao Jerosalema.48Areo no atomoan'ny regny raha regny.49Tô, halaifako aminareo zay nampanantenain'ny Iadako. Kanaifa mibidaoha ao an-tanangna papiky sikinanareo ny ngôvo avy agny ambony."50Aveo Jesôsy nitariky zareo mandra-pahatongavan-jareo tagny Betania. Nihinjagniny ny tagnany, aveo nitahiny zareo. 51Avakeo koafa nitso-drano zareo Izy, dia nandao Zareo Izy avakeo lôsogno nakarigny tagny an-dangitry.John
Chapter 1
1Tamin'ny voalaohany ny Teny, ary ny Teny tao amin-Jagnahary, ary ny Teny dia Zagnahary.2 Zany dia tamin-Jagnahary tamin'ny voalaohany. 3Ny raha jiaby dia avy amin' Azy aby, aveo koa tsy Izy dia tsisy na ino na ino.4Noho Izy no nisiam- piainagna, aveo io fiainagna io no fahazavagnan'ny ôlogno jiaby. 5Ny hazavagna mangilatra akao agnatiny mahizigny, aveo ny mahizigny tsy nandresy zany.6Nisy lalahy araiky nirahin-Jagnahary, Jaona agnarany.7Tonga izy mbô ho atomoa hagnambara ny mahakasiky fahazavagna, mbô hinoan'ny ôlogno jiaby aminn'ny alalany. 8 Tsy Jaona lehy fahazavagna, fao ndraiky tonga mbô hagnambara ny mahakasiky lehy fahazavagna izy.9Ny fahazavagna marigny, zay magnomia hazavagna ny ôlogno jiaby, dia tonga aketo amin'izao tontolo zao.10Teto amin'izao tontolo zao Izy, aveo Izy namôrogno izao tontolo zao, ary zao tontolo zao tsy nahay Azy.11Tonga tagny amin' ny ôlony Izy, ary ny ôlony tsy nalaka Azy12Fao reo maro nalaka Azy, zay nino ny agnarany, dia namaizany fahefagna ho tongo zanaka Zagnahary.13 Reo dia tsy natairaka tamin'ny lio, na ny sitrapôn'ny nôfo, na ny sitrapôn'ny ôlogno, fao nihin-Jagnahary.14Aveo ny Teny tonga nôfo kay nidôko teto amintsika. Hitanay ny vogninahiny, vogninahitry karaha lehy araiky ndraiky tokagna zay tonga avy tamin'ny Iada, feno fahasoavagna ndraiky fahamarinagna. 15Jaona nagnambara mahakasiky Azy kay nangaiky mafy, nagnanjao: "Izy lehy araiky zay afa nambarako nagnanjao: 'Izy zay tonga avy afarako dia gaida noho zaho, satria talaohako Izy.'"16Fao avy amin'ny fahafinoany no nandraisantsika jiaby fahasoavagna hagnampy fahasoavagna.17Fao ny lalàgna dia namiagna tamin'ny alala'i Mosesy. Ny fahasoavagna ndraiky fahamarinagna dia tonga tamin'ny alalan'i Jesôsy Kristy.18Tsisy nahita Zagnahary na afiriagna na afiriagna. Fao lehy Zagnahary araiky aveo tokagna, zao akeo antratran'i lehy Iada, no nagnambara Azy.19Ary zao no fagnambaran'i Jaona koafa nagniraka reo mpisôrongno ndraiky Levita avy tagny Jerosalema handaiha aminazy reo Jiosy mbô hagnontany azy magnanjao: "Zôvy moa anao?" 20Nivaolagna tsotra izy, aveo tsy nagneky, fao namaly nagnanjao: "Tsy kristy zaho." 21Kay nagnontany azy zareo: "Ino ary zany anao? Elia moa anao? "Nivaolagna izy nagnanjao: "Tsy izy zaho" Hoizy zareo: ''Anao moa lehy mpagnazary?" Namaly izy: "Tsia."22Aveo izy nivaolagna taminazy nagnanjao: "Zovy moa anao, mbô ahafahanay magnomia valinteny aminjareo zay nagniraka zahay? Ino no hambaranao mahakasiky haignianao?" 23Nivaolagna izy: "Zaho lehy feo, magnantso mafy akagny antanimaty magnanjao: 'Tsaboy mahitsy ny lalan'ny Tompo,' araka ny nivolagnin'Isaia mpagnazary."24Ary nisy hiraka sasany avy amin'ny reo fariseo nalaifa,25 aveo nagnontany azy zareo kay nivaolagna taminazy: "Nagnino ary anao mitsabo batisa koa tsy Kristy anao salakady tsy Elia tsy lehy mpagnazary?"26Ary Jaona namaly zareo: "Mitsabo batisa amin'ny rano zaho. Fao ekeo agnivonareo misy ôlogno araiky mitsangagna zay tsy hainareo. 27Izy lehy araiky zay tonga avy afarako, zay tsy magnaiva zaho ny hamaha ny tadinkirarony." 28Reo raha reo dia natao tagny Betania tagny andafin'i Jordana, zay nagnanaovan'i Jaona batisa.29Ny amaraigny Jaona nahita Jesôsy nagnatogno azy aveo nivaolagna: "Zahavo, tô ny Zanak'Ondrin-Jagnahary zay nagnala ny fahotagnan'ny zao tontolo zao! 30Tô lehy araiky zay nambarako: 'Lehy araiky zay tonga avy afarako dia gaida noho zaho, satria talaohako Izy.' 31Ary zaho tsy nahay Azy, fao mbô ho voavaolagna amin' Isiraely izy no naviako hitsabo batisa amin'ny rano."32Jaona nivaolagna, magnanjao: "Nahita ny Fagnahy nijôtso avy akagny an-dangitry karaha vôromailala zaho, ary nibidôko akeo agnambonazy. 33Tsy nahay Azy zaho, fao Izy zay nagniraka zaho hitsabo batisa amin'ny rano nivaolagna taminaha: 'Eo agnambony zay hitanao hijotsoan'ny Fagnahy ndraiky hibidaohany akeo aminazy, izy lehy araiky zay mitsabo batisa amin'ny Fanahy Masigny.' 34Sady nahita zaho no nagnambara fao izy lehy Zanaka Zagnahary.''35Ny amaraigny zigny, ndraiky, raha nitsanga niaraka tamin'ny aroa aminjareo mpianany Jaona, 36dia nahita Jesôsy nandaiha zareo, kay hoizy Jaona: "Zahaovo, lehy zanak'ondrin-Jagnahary!"37Naharegny azy nivaolagna zany zareo mpianany aroa kay nagnaraka Jesôsy zareo. 38Avakeo Jesôsy nitodiky nahita zareo nagnaraka Azy kay nivaolagna taminjareo: "Ino moa ilainareo?" 39Namaly zareo: "Raby (zay midika hoe mpagnatra), aiza Anao no mibidôko?". Namaly zareo Izy: Magnataogna aveo zahao". Ary nagnatogno zareo kay nahita ny toairagna zay nidaohany; nidôko niaraka Taminazy tao zareo tamin'io andro io, fao tôkony afa ho fotoagna fahafôlo tamin'izay.40Araiky tamin'ny reo mpianatra aroa naharegny Jaona nivaolagna avakeo nagnaraka Jesôsy Andrea, rahalahin'i Simona Petera. 41Nizaha Simona rahalahiny alaoha izy avakeo nagnambara taminazy nagnanjao: "Hitanay Mesia" (zay adika hoe Kristy) 42Ninday azy tagny amin'i Jesôsy izy, aveo nizaha azy Jesôsy kay nivaolagna nagnanjao: "Anao dia Simona zanak'i Jaona, anao dia ho antsôvigny hoe Kefasy" (zay midika hoe: Petera).43Ny amaraigny, raha te-handaiha hoagny Galilia Jesôsy, dia nahita Filipo Izy aveo nagnambara taminazy: "Magnaraha Zaho." 44Filopo dia avy akagny Betsahida, tanagnan' i Andrea ndraiky Petera. 45Nahita Natanaela i Filipo kay nivaolagna taminazy: "Izy zay nisoroatan'i Mosesy tao amin'ny lalàgna, ndraiky reo mpagnazary, hitanay Izy, dia Jesôsy zanak'i Josefa, avy akagny Nazareta."46Natanaela nivaolagna taminazy nagnanjao: "Moa hisy raha tsara avy akao Nazareta?" Filipo nagnambara taminazy: "Magnataogna ary zahavo". 47Jesôsy nahita Natanaela nagnatogno azy aveo nivaolagna reo mahakasikasiky azy nagnanjao: "Zahavo, zany no tegna isiraelita, zay tsisy vandy akao aminazy!" 48Natanaela nivaolagny Taminazy: "Akôry moa no hahaizanao zaho?" Jesôsy namaly kay nagnambara taminazy: "Talaohan'ny nagnantsaovan'i Filipo anao, raha teo agnambon'ny kakazon'aviavy anao, dia hitako tsinjo."49Natanaela namaly nagnanjao: "Raby, Anao lehy Zanaka Zagnahary! Anao no mpanjakan'Isiraely!" 50Jesôsy namaly kay nivaolagna taminazy: "Satria moa Zaho nivaolagna taminao hoe: "Nahita anao tagnambon'ny kakazo aviavy Zaho,' no hinoanao? Hahita raha tsara mihoatra noho zany anao." 51Aveo Izy nivaolagna nagnanjao: "Ambarako aminareo, marigny, dia ny tegna marigny tatô be, fao hahita langitry hisaokatra areo, aveo reo anjelin-Jagnahary hakatra ndraiky hirôrogno akeo agnambon'ny Zanak'Ôlogno."Chapter 2
1Telo andro tatoy afara, dia nisy fampakaram-bady tao Kanà ao Galilia, ary tao ny renin'i Jesôsy.2 Jesôsy aveo reo mpianany dia nasaigny tamin'ny lehy fampakaram-bady.3Koafa lany ny divay, dia nivaolagna taminazy ny ninin'i Jesôsy nagnanjao: "Tsy managna divay zareo." 4Ary hoizy Jesôsy taminazy: "Ravehivavy, nagnino anao madaiha Aminaha? Mbôla tsy tonga ny fotoagnako." 5 Dia hoizy ny nininy taminjareo mpanompo: "Na ino na ino volagniny aminareo, dia tsaboy zany."6Ary nisy seho vato enigny teo zay fampiasaigny amin'ny andro fisasan'ny Jiosy, mahazaka aroa zisiky telo metatra aby. 7Hoizy Jesôsy taminjareo: "Finoa rano ny seho." Kay nifinoanjareo zisiky aminy sôgnony zany. 8Ary aveo dia hoizy Izy taminjareo mpanompo: "Magnovaoza aminjay ary ndeso agny amin'ny tompon'andraikitry ny fikarakaragna." Kay nitsabonjareo zany.9Nandraman'ny tompon'andraikitrin'ny fikarakaragna lehy rano nanjary divay, kanaifa tsy nahay zay niaviany zany izy (fao zareo mpanompo zay nagnôvo ny rano ndraiky nahay azy). Aveo nagnantso ny mpagnampakatra Izy 10ary nagnambara taminazy nagnanjao: "Ny ôlogno jiaby dia magnamia divay tsara alaoha zay vao ny divay moramora koafa mamo zareo. Fao areo ndraiky nikajy divay tsara bariky aminjeo."11Zany no famantaragna voalohany natan'i Jesôsy tao Kanà akagny Galilia, aveo nagnaboaka ny vogninahiny Izy, kay nino Azy reo mpianany.12Tafaran'ny zay dia nijôtso hoagny Kapernaomy Jesôsy, ny nininy, reo rahalahiny ndraiky reo mpianany avakeo nijanogno tao andro vitsivitsy zareo.13Ary afa nariny ny Pasky ny Jiosy, dia nakatra tagny Jerosalema Jesôsy.14Nahita mpivatr'aomby, ondry aveo vôromailala tao ampiangonagna Izy, ary nibidôko tao koa zareo mpanakalo vaola.15Noho zany dia nagnamboatra karavasy izy kay nandroaka zareo jiaby hiboaka ny tempoly, na ny ondry na aomby. Nandraraka ny vaolan-jareo mpanakalo vaola Izy ary nandavo ny latabatra njareo. 16Dia hoizy Izy taminjareo mpivarotra vôromailala: "Ndeso miboaka lavitry tô toeragna tô reo raha reo. Aoka zay ny fanaovagna ny tragnon'ny Iadako ho tany fiavaraotagna."17Ary tsaroan'ny reo mpianany fao afa voasaoratra magnanjao: "Ny firihaitako ny amin'ny tragnonao no handevogno zaho."18Aveo namaly reo laohandaohan'ny mpisôrogno Jiosy kay nagnanjao taminazy: "Ino moa famantaragna ho aboakanao zahay, mahatonga Anao magnano regny raha regny?"19 Jesôsy namaly: "Aravagno tô tempoly tô, fao ho hatsangako agnatin'ny telo andro foagna zany."20Ary hoizy zareo mpanapaka Jiosy: "Enigny amby aifapôlo tagno no nagnorenagna tô tempoly tô, kay anao moa hahatsangagna azy ao agnatin'ny telo andro?"21Kanaifa, mahakasikin'ny tempolin'ny haigniny no nivolagniny.22Tafaran'ny nitsanganany tamin'ny maty dia tsaroanjareo mpianany fao nagnambara zany Izy, ary nino ny Soratra Masigny ndraiky zany vaolagna nambaran'i Jesôsy zany zareo.23Ary koafa tao Jerosalema Izy tamin'ny andro firavoravoagnan'ny Paska, dia maro no nino ny agnaragnanazy koafa nahita reo famantaragna zay nitsabony.24Fao Jesôsy ndraiky tsy natoky zareo noho Izy nahay tsara zareo jiaby,25satria tsy nila na zôvy na zôvy hagnambara aminazy ny mahakasikin'ny ôlogno Izy, noho Izy nahay ny ao agnatin'ny ôlogno.Chapter 3
1Ary nisy Fariseo araiky antsôvigny Nikodemosy, mpitariky Jiosy. 2Nagnatogno Jesôsy tamin'ny andro alina io lalahy io aveo nivaolagna taminazy nagnanjao: "Raby, hanay fao mpampianatra zay avy amin-Jagnahary Anao, satria tsisy mahavita reo famantaragna tsabonao raha tsy miarka aminy Zagnahary.''3Dia namaly azy Jesôsy nagnanjao: "Ambarako aminareo ny marigny, dia marigny tatôbe, fao raha tsy atairaka ndraiky ny ôlogno, dia tsy hahita ny fanjakan-Jagnahary izy." 4 Nikodemosy nivaolagna taminazy nagnanjao: "Amin'ny fomba magnankôry no hahatairaka ny ôlogno araiky raha afa antitry izy? Tsy afaka hiditry fagnindroany akao ambôkon-dreniny izy aveo hatairaka, sa moa afaka?"5Namaly Jesôsy: "Ambarako aminao marigny, dia marigny tatô be, fao raha tsy natairaka tamin'ny rano ndraiky ny fanahy ny zanak'ôlogno, dia tsy afaka hiditra akao amin'ny fanakan-Jagnahary izy. 6Zay atairaka ny nôfo dia nôfo, ary zay atairaky ny Fanahy dia fagnahy.7Aza gaga aminzay nambarako anao hoe: 'Tsy maintsy hatairaka ndraiky areo.' 8Ny rivotra midalavoko na aiza na aiza iriany; regninao feonazy, fao tsy hainao zay niaviany na zay himboany. Karaha zany jiaby zay atairaka ny Fagnahy."9Namaly Nekodemosy kay nivaolagna taminazy naganjao: "Manankôry ny fomba hahatanterahan'ny zany raha zany?"10 Jesôsy namaly kay nivaolagna taminazy nagnanjao: "Mpagnanatra ny Isiraely moa anao, dia mbôla tsy azonao foagna zany raha zany? 11Ambarako aminao, marigny, dia marigny tatô be, fao zay hanay no koragninay, aveo zahay magnambara ny mahakasiky zay hitanay. Kanaifa mbôla tsy magneky ny fagnambaranay areo.12Raha nagnambara taminareo ny raha tatoy an-tany Zaho naifa tsy hinoanareo, amin'ny fomba magnankôry no hinoanareo Zaho raha hitantara aminareo ny raha misy akagny an-dangitry Zaho? 13Tsisy nakatra agny an-danitra koa tsy lehy nijôtso avy tagny, dia lehy Zanak'Ôlogno zany.14Ary tôrotro ny nanandratan'i Mosesy ny bibilava tagny antanimaty, no tsy maintsy hanandratagna ny Zanak'Ôlogno,15mbô hanagna fiainagna bariky dintany zay jiaby mino Azy.16Fao tegna tian-Jagnahary zao tontolo zao, kay namiany ny zanany lahy taokagna, mbô tsy ho very zay jiaby mino Azy fao hanagna fianagna bariky dintany.17Fao Zagnahary tsy nagniraka lehy zanaka lahy ho amin'izao tontolo zao fao mbô hagnameloko zao tontolo zao, fao hamonjy zao tontolo zao amin'ny alalany.18Zay mino Azy tsy helohigny, fao zay tsy mino ndraiky afa voeheloka edy satria tsy nino ny agnaragna lehy Zanaka lahy araiky sy taokan-Jagnahary.19Zao no anton'ny fitsaragna: tonga teto amin'izao tontolo zao ny fahazavagana, naifa naleon'ny ôlombelogno ny hizigny toy zay ny mazava satria ratsy reo asa natany.20Fao zay jiaby magnano ratsy dia malaigny ny mazava ary tsy magnatogno zany mbô tsy ho hita reo asanazy.21Kanaifa, zay magnano ny marigny magnatogno ny mazava mbô ho hita tsara fao reo sasanazy dia natao araka Zagnahary."22Tafarany zay, nandaiha tagny Jodia Jesôsy ndraiky reo mpianany. Nibidôko fotoagna vitsy tao niaraka taminjareo Izy ary nitsabo batisa. 23Aveo Jaona koa nitsabo Batisa tagny Ainona marikitry Saleima satria fôntry ny rano tagny. Nagnatogno azy ny vahoaka aveo nitsabogny batisa, 24fao tsy mbôla nalaifa akagny an-trano mahizigny Jaona25Aveo nisy tsififankazahoagna tamin'ny sasany aminjareo mpianatr'i Jaona ndraiky Jiosy araiky mahakasikin'ny andro fagnadiovagna. 26Nagnatogno Jaona zareo kay nivaolagna taminazy nagnanjao: "Raby, lehy araiky niaraka taminao tagny ahilan'ny reniranon'i Joridana, zay nambaranao, tô, mitsabo batisa izy, aveo magnatogno azy jiaby zareo jiaby.''27Ary Jaona namaly nagnanjao: "Tsy afaka malaka na ino na ino ny ôlogno araiky raha tsy namiagna azy avy akagny an-danitra zany. 28Areo foagna dia afa afaka ny antomoa amin'ny koragnanaha magnanjao: 'Tsy lehy Kristy zaho,' fao ndraiky: 'Nirahigny talaohany.'29Ny ampakarigny dia nihin'ny mpagnampakatra. Ary ny naman'ny mpagnampakatra, dia miravo tatô be nohon'ny amin'ny farignaisagna ny feon'ny mpagnampakatra. Zany, avakeo, no mameno ny haravoagnako.30Tsy maitsy mitômbo Izy, fao zaho ndraiky tsy maintsy mihegny.31Izy zay avy akagny agnambo dia agnambon'ny raha jiay. Izy zay avy aketo an-tany aveo mikoragna mahakasikin'ny aketo an-tany. Izay avy akagny an-danitra dia agnambon'ny raha jiaby. 32Izy dia magnambara ny mahakasiky zay hitany ndraiky regniny, kanaifa tsisy malaka ny fagnambarany.33Zay nalaka ny fagnambarany ndraiky dia nagnamafy fao marigny Zagnahary.34Fao lehy araiky nirahin-Jagnahary dia magnambara ny vaolagna Zagnahary. Satria tsy nasiany farany ny fagnomaizagna ny Fagnahy.35Ny Iada tia lehy zanaka lahy ary nagnapaitraka ny raha jiaby teo ampelan-tagnany.36Izay mino lehy Zanaka lahy dia managan ny fiainagna bariky dintany, fao zay tsy mankatô lehy zanaka lalahy ndraiky tsy hahita fiainagna, fao hibidaohan'ny havigniran-Jagnahary."
Chapter 4
1Ary koafa hain'i Jesôsy hoe regninjareo Fariseo fao nahazo aveo nitsabo batisa mpianatra maro noho Jaona Izy 2 (na dia tsy Jesôsy haigniny aby no nitsabo batisa, fao reo mpianany), 3dia niala tao Jodia Izy aveo nimpôdy nagnagny Galilia ndraiky.4Ary ilaigny ny namakivaky Samaria. 5Kay homy tao amin' ny tanàgna araiky akao Samaria Izy, antsôvigny hoe Sykara, marikitry lehy ampahan-tany zay namian'i Jakoba Josefa zanany.6Teo lehy fangalan'ny Jakoba rano. Nahatsaro rairaka tamin'ny diany Jesôsy kay nantotry teo amin'ny lehy vôvo. Tôkony teo amin'ny fotoagna fahenigny teo. 7Nisy vaiavy samaritana araiky havy halaka rano, kay hoizy Jesôsy taminazy: 8"Mbô amia rano Zaho higiahiky." Fao reo mpianany afa lôsogno agny an-tanàgna mbô hividy hanigny9Aveo hoizy lehy vaiavy Samaritana taminazy: "Magnankôry Anao, zay Jiosy, no mangataka aminaha, zay vaiavy Samaritana?" Fao reo Jiosy tsisy hifandraisagna amin'ny Samaritana. 10Fao Jesôsy namaly kay nagnanjao taminazy: "Raha haina ny fagnomiazan-Jagnahary, aveo zay mivaolagna aminao magnanjao: 'Amia zaho ho giahiky,' dia anao ndraiky no nangataka taminazy, kay amiany rano velogno."11Hoizy lehy vaiavy taminazy: "Tompoko, Anao dia tsy managna daboko aveo vôvo laligny. kay aiza no hazahoanao rano velogno?12Anao dia tsy gaida, moa va, noho Jakoba razambentsika, zay nagnomia zahay ny vôvo aveo higiahigny taminjany ny haigniny, karaha ny natanjareo zanany aveo zareo bibiny?"13Jesôsy namaly kay nagnanjao taminazy: "Zay jiaby migiaka amin'ny tô rano tô dia mbôla ti higiaka indraiky,14fao na zôvy na zôvy migiaka amin' ny rano zay hamiako azy dia tsy ti higiaka bariky dintany. Fao ndraiky, ny rano zay hamiako azy dia ho tonga laoharano miboiboika akao agnatiny, zay minday akagny amin' ny fiainagana bariky dintany."15Nivaolagna vaiavy taminazy: "Tompoko, amia zany rano zany zaho mbô tsy ti higiaka ndraiky ho tonga halaka rano eto eky." 16 Hoizy Jesôsy tamin-dravehivavy: "Mandihiana, antsôvo ny vadinao, dia mimpodiana atô."17Namaly lehy vaiavy kay nivaolagna taminazy: "Tsy manambady zaho." Namaly Jesôsy: "Marigny ny nambarana hoe: 'Tsy manambady zaho,' 18Fao afa nanambady indimy anao, ary lehy araiky zay hidaohana aminzeo dia tsy mbôla vadinao. Marina zay nambaranao."19Hoizy vaiavy taminazy: "Tompko, itako fao mpagnazary Anao.20Reo razantsika nivavaka teto amin'ny tô tanety tô, kanaifa areo magnambara fao Jerosalema no toairagna tôkony hivavahan'ny ôlogno."21Hoizy Jesôsy taminazy: ''Minoa Zaho, ravehivavy, fao hoavy ny andro zay hideranareo ny Iada kay sady tsy amin'ny tô tanety tô no tsy akagny Jerosalema. 22Fao areo miondriky aminzay tsy hainareo. Zahay ndraiky miankohoka aminzay hainay, satria ny famonjiagna dia avy amin'ny reo Jiosy.23Kanaifa, Hoavy ny andro, ary tonga aminjikey, koafa hidaira ny Iada amin'ny fagnahy ndraiky fahamarinagna reo bahery mpivavaka, satria ny Iada dia mizaha ôlogno karaha zany ho mpidaira Azy.24Zagnahary dia Fanahy ary ny ôlogno zay midaira Azy dia tsy maintsy midaira amin'ny fagnahy ndraiky fahamarinagna."25Hoizy lehy vaiavy taminazy: "Haiky fao hoavy ny Mesia (lehy antsôvigny hoe Kristy). Ary koafa havy Izy, dia hagnazava amintsika ny raha jiaby." 26 Hoizy Jesôsy taminazy: "Zaho zay mikoragna amina, no Izy."27Taminjany fotoagna zany dia nimpôdy zareo mpianany. Ary nagnontany haigniny zareo nagnanjao nagnino Izy no mikoragna amin'ny vaiavy, fao tsisy nivaolagna hoe: "Ino raha ilainao?" na: "Nagnino Ana no mikoragna aminazy?"28Noho zany dia nagnapaitraka ny sehony vaiavy, kay nandaiha nimpôdy tagny an-tanàgna, aveo nagnambara tamin'ny ôlogno nagnanjao:29"Alôhy, hizaha lehy lalahy zay nagnambara ny vitako jiaby. Tsy ho Kristy zany, sa moa Izy?"30Dia niala teo an-tanàgna zareo, kay nandaiha Aminazy.31Tamizany, nampirisiky Azy reo mpianatra, nagnanjao: "Raby, Mihinàna". 32Fao hoizy Izy taminjareo: "Zaho dia managna hanigny hoaniky zay tsy hainareo." 33Kay nifampivaolagna zare mpianatra nagnanjao: "Tsisy ôlogno nitondra raha ho honigny aminazy, sa moa nisy?"34Hoizy Jesôsy taminjareo: "Ny hanignynaha dia ny magnano ny sitrapôn'ny Lehy nagniraka Zaho aveo magnano ny asany. 35Moa anao tsy mivaolagna: 'Efa-abaolagna tavaila dia ho avy ny fararano?' Ambarako aminareo, hatopio ny masonareo dia zahao ny egny an-tsaha, fao afa masaka ary halaigny reo! 36Zay malaka dia mahazo karama ave mamôry vokatra ho amin'ny fiainagna lalandava, kay hiara-paly ny mpamay sy ny mpihalaka.37Fao amizany dia marigny lehy vaolagna magnanjao: 'Ny araiky mamafy, aveo ny araiky ndraiky malaka,' 38Nagniraka areo halaka zay tsy nisasaranareo Zaho. Reo hafa no nisasatra, ary areo no niditry teo amizay nisanarany."39Maro taninjareo samaritana tao amizany tanàgna zany no nino Azy nohon'ny tatitry lehy vaiavy zay magnambara: "Nambarany taminaha jiaby zay natako jiaby." 40Kay koafa nagnatogno Azy reo Samaritana, dia nangataka Azy mbô hijanogno hiaraka aminjareo, dia nijanogno tao aroa andro Izy41Maro hafa no nino nohon'ny koragnanazy. 42Hoizy zareo tamin-dravehivavy: "Tsy noho zay nambaranao eky no hinoanay, fao zahay lasite no afa naharegny, ary hainay fao Izy tatô be no lehy Mpamonjy zao tontolo zao."43Tafaran'ny reo aroa andro reo, dia niala avy tao Izy hoagny Galilia.44Fao Jesôsy lasite no nagnambara fao ny mpagnazary dia tsy manan-danja akao amin'ny taniny manaokagna.45Koafa tonga tao Galilia Izy, dia nalaka Azy zareo Galiliana . Zareo dia nahita ny raha jiaby zay natany tao Jerosalema tamin'ny andro fiaravoravoagna, satria nandaiha tagny amin'ny andro firavoravoagna foagna koa zareo.46Ary tonga tao Kana ao Galilia indraiky Izy, zay toairagna nagnovany rano ho divaigny. Nisy tandapa araiky zay nanagna zanaka lahy marary tao Kapernaomy.47Rehaifa regniny fao avy agny Jodia ho agny Galilia Jesôsy, dia nandaiha amin'i Jesôsy izy aveo nangataka taminazy mbô hijôtso ary hampahivagna ny zanany lalahy, zay afa ho faty.48Avakeo Jesôsy nagnambara taminazy nagnanjao: "Raha tsy mahita famantaragna ndraiky fahagagagna areo, tsy mbô hino lasite."49Hoizyy lehy tandapa taminazy: "Tompoko, mijotsoa moa alaohan'ny hafatesan' ny zanako." 50Hoizy Jesôsy taminazy: "Mandihiana. Velogno ny zanakào." Nino ny antomoa zay nambaran'i Jesôsy taminazy lehy lalahy, kay lôsogno izy.51Raha igny izy nijôtso igny, dia nagnantianty azy reo mpanompony, nagnambara fao velogno ny zanany. 52 Kay nagnontany azy zareo ny fotoagna zay nanaretany izy. Namaly azy zareo: "Nimoaly tamin'ny fotoagna fahafito no nialàn' ny tazo taminazy."53Hainy lehy iada ave fao tamin'io fotoagna io no nivolagnan'i Jesôsy azy nagnanjao: "Velogno ny zanakao." Kay dia nino ny haigniny ndraiky reo fianakaviany jiaby. 54Zany no famantaragna faharoa nitsabon'i Jesôsy fony Izy niala tao Jodia ho agny Galilia.Chapter 5
1Tafaran'ny zany dia nisy firavoravoagnan'ny Jiosy, avakeo nakatra hoagny Jerosalema Jesôsy.2 Ary tagny Jerosalema marikitrin'ny varavaran'ondry, dia nisy matsabôry, zay nantsôvigny tamin'ny Hebreo hoe Betesda, aveo misy alokaloka dimy zany.3Maro reo ôlogno marary, gila, malemy, na tsy afaka mihetsiky mandry tao. (Fagnamarihagna: Ny karamontsantaratasy talaoha bahery tsara, dia namaly ny fehezanteny hoe: "Mandigny ny fihitsaihan'ny rano'') 4(Fagnamarihagna: Ny karamontsantantaratasy talaoha bahery tsara dia mangala ny and.4 magnanjao: "Fao nisy anjelin'ny Tompo araiky nijôtso kay nampihetsiky ny rano indraikindraiky aveo na zôvy na zôvy nagnatogno nagnao koafa nihetsiky ny rano dia mahivagna tamin'ny reo aretigny zay namparary azy na ino na ino.")5Ary nisy lalahy araiky teo zay afa narary valo amby telo-pôlo taogno. 6Koafa hitan'i Jesôsy nandry teo izy, aveo tafaran'ny nahatsapany fao afa an-tagno maro izy no teo, dia nivaolagna Izy taminazy: "Tehivagna moa anao?"7Namaly lehy lalahy marary nagnanjao: "Tompoko, tsy managna na zôvy na zôvy zaho hitondra zaho akao agnaty matsabôry koafa mihetsiky rano. Koafa mandaiha zaho, misy misisiky alaohanaha." 8Hoizy Jesôsy taminazy: "Mitsangàna, ndeso ny fandriagnanao, kay mandihiana."9Teo no eo nahivagna lehy lalahy, kay niraisiny ny fandriagnanazy dia nandaiha izy. Aveo Sabata zay andro zay.10Nivaolagna reo Jiosy tamin'ny lehy nahivagna nagnanjao: "Sabata ny andro dia tsy mahazo mitondra ny fandriagnanao anao." 11Namaly izy: "Lehy nampahivagna zaho no nivaolagna taminaha hoe: 'Ndeso fandriagnanao kay mandihiana.'''12Ary nagnintany azy zareo: "Zôvy lehy lalahy nivaolagna taminao hoe: "Ndeso ny fandriagnanao kay mandihiana'?"13 Naifa, lehy nahivagna tsy nahay Azy satria niala moramora Jesôsy fao nisy vahoaka teo antoeragna.14Koafa aviteo, hitan'i Jesôsy tao an-tempoly izy kay ho Izy taminazy: "Tô, nahivagna anao! Aza manota eky, mbô tsy hahavoa anao ny raha ratsy noho ny teo." 15Aveo lôsogno ralehilahy kay nitatitry tamin'ny reo Jiosy fao Jesôsy no nampahivagna azy.16Ary noho reo raha reo dia nagnenjiky Jesôsy reo Jiosy, Satria nagnano reo raha reo tamin'ny sabata Izy. 17Ary namaly zareo Jesôsy nagnanjao: "Ny Iadako miasa egny fao na zeo aby, avakeo Zaho, faogna koa, dia miasa." 18Noho zany, vao maika nitady hamono Azy reo Jiosy tsy nohon'ny fagniratsirany ny sabata faogna, fao ny nagnantsaovany Zagnahary faogna koa Iadany zeraiky, magnano haigniny ho mitôvy amin-Jagnahary.19Ary Jesôsy namaly zareo nagnanjao: "Volagniky aminareo marigny, marigny tatô be, fao ny Zanaka tsy afaka magnano na ino na ino na inona ho Azy, afa-tsy zay hitany tsabon'ny Iada, dia atan'ny Zanaka faogna koa reo raha reo. 20Fao ny Tiaa tia ny Zanaka kay nagnaboaka azy ny raha jiaby zay nitsabon'ny haigniny, aveo hagnaboaka azy raha gaida mihoatra noho reo Izy mbô ho gaga areo.21Karaha ny Iada manangagna ndraiky mamelogno ny maty, dia karaha zany faogna koa no amilaoman'ny Zanaka zay tiany. 22Fao Iada dia tsy mitsara na zôvy na zôvy, fao namiany Zanaka ny fitsaragna jiaby 23mbô hagnajanjareo Iada. Zay tsy magnaja Zanaka dia tsy magnaja lehy Iada nagniraka Azy.24Ambarako aminareo marigny, marigny tatô be, fao zay mitandregny vaolagna naha ndraiky mino zay nagniraka Zaho managna fiainagna bariky dintany kay tsy ho helohigny, fao niala tamin'ny fahafataisagna ho amin'ny fiainagna izy.25Koragniky aminareo, marigna tatô be, fao avy ny fotoagna, ary tonga zany zeo, koafa hitandregny feon'ny Zanaka Zagnahary ny maty, ary ho velogno reo zay maharegny.26Fao hotra ny Iada managna fiaignagna ao Aminazy, no nagnamaizany Zanaka faogna koa biaka hanagnany fiainagna ao Aminazy, 27ary namaizan'ny Iada fahefagna hitsara ny Zanaka noho Izy Zanak'ôlogno.28Aza gaga amin'ny zany, fao avy ny andro handrignaisan'ny ôlogno jiaby agny am-pasagna ny feonazy ka 29hiboaka: reo zay nagnano tsara dia hoagny amin'ny fitsanganagna ho amin'ny fiainagna, fao reo zay nagnano ratsy ndraiky dia hoagny amin'ny fitsanganagna ho amin'ny fitsaragna.30Tsy afaka magnano na ino na ino raha Zaho zeraiky. Araka zay regniky, no itsarako, aveo ny fitsarako marigny satria tsy mitady ny sitraka fôko zeraiky Zaho fao ny sitrapôn'Izy zay nagniraka Zaho. 31Raha tôkony hagnambara ny mahakasiky ny haigninaha Zaho, tsy marigny ny fagnambarako.32 Misy araiky hafa zay magnambara ny mahakasiky Zaho, avakeo haiko fao marigny ny fagnambaragna zay koragniny momba Zaho.33Nirahigny tagny amin'i Jaona areo, aveo nagnambara marigny izy.34 Naifa ny fagnambaragna zay nalaiky tsy avy amin'ny ôlogno. Mikoragna zany raha zany Zaho biaka mety ho voavonjy areo. 35Jaona jiro nirehitry ndraiky nagnazava, aveo areo nagniry ny hiravo malaky tao amin'ny fahazavagnany.36Naifa ny fagnambarako mbôla gaida noho ny Jaona, fao reo asa namian'ny Iada ho tantirahiky, reo asa zay tsaboky reo, no magnambara ny mahakasiky Zaho fa nirahin'ny Iada Zaho. 37Ny Iada zay nagniraka Zaho lasite no nagnambara Zaho. Tsy mbôla naharegny ny feonazy na nahita haigninazy areo. 38Ary ny vaolagnanazy tsy mbô mibidôko akao agnatinareo, satria tsy mino lehy nirahiny areo.39Mitady Saoratra Masigny areo satria sambaranareo fao ao amin'ny reo no anagnanareo fiainagna bariky dintany, aveo reo Soratra Masigny reo faogna no magnambara mahakasiky Zaho,40naifa tsy vôgnogno ny hagnatogno Zaho areo mbô hanagnanareo fiainagna.41Tsy malaka laza avy amin'ôlogno Zaho,42 satria haiky fa tsisy fitiavagna Zagnahary ao aminareo.43Havy amin'ny agnaragna Iadako Zaho, naifa tsy raisinareo. Raha misy hafa havy amin'ny agnarany zeraiky, ho raisinareo izy.44 Akôry no hinoanareo, areo zay malaka laza avy amin'ny ôlogn-kafa naifa tsy mitady laza zay avy amin-Jagnahary taokagna?45Aza mievitry hoe Zaho no hagnambara areo agnantraihan'ny Iada. Lehy araiky magnambara areo dia Mosesy, zay nagnambilanareo ny fanantenagnanareo.46 Raha nino Mosesy areo dia tôkony hino Zaho, satria nanaoratra mahakasiky Zaho izy. 47Raha tsy mino reo nisoratany areo, dia atanareo akôry no hino ny vaolagna naha?Chapter 6
1Tafaran'ny reo raha reo, dia nandaiha nitsaka ranomasin'i Galilia Jesôsy, antsôvigny faogna koa hoe ranomasin'i Tiberiasy. 2Nisy vahoaka maro nagnaraka Azy satria hitan-jareo ny famantaragna zay nitsabony tamin'ny reo narary. 3Nakatra an-tanety Jesôsy ary nipaitraka tegny niaraka tamin'ny reo mpianany Izy4(Ary ny Paska, lehy andro firavoravoagnan'ny Jiosy, dia afa marikitry.) 5Koafa nizaha ambony Jesôsy kay nahita vahoaka taigna maro nagnatogno Azy, dia hoizy Izy tamin'ny Filipo: "Aiza no hividianantsika môfo mbô hafahan-jareo mihinagna?" 6(Fao Jesôsy nivaolagna zany biaka hitsapagna Filipo, fao afa hainy zay ho atany.)7Aveo Filipo namaly Azy nagnanjao: "Na dia môfo roanjato dinaria aby tsy ho ampy hoan'ny tsiaraikiaraiky na dia hely avy aby." 8Araiky tamin-jareo mpianatra, Andrea, rahalahin'i Simona Petera, nivaolagna tamin'i Jesôsy: 9''Misy lalahy araiky aketo managna môfo dimy ndraiky hazandrano aroa, fao ino reo magnoloagna reto ôlogno maro?"10Avakeo Jesôsy nivaolagna nagnanjao: "Raha mantotry ny ôlogno" (Avakeo feno ahitry teo amin'ny lehy, toeragna.) Kay nantotry reo ôlogno, teo amin'ny dimy arivo teo ny isany.11Aveo Jesôsy nalaka reo môfo koafa avy nisaotra, dia nirasa zany tamin'ny reo zay nantotry teo. Tôrotro zany faogna no nitsabony tamin'ny hazandrano, maro araka zay nilain-jareo.12Koafa vôky ny ôlogno, nivaolagna Izy tamin'ny reo mpianatra: "Avorio reo lambiny tavaila, mbô tsy hisy ho very."13Kay navôrin-jareo zany kay nahafeno harogno aroa ambin'ny fôlo ny ambiny môfo dimy tavaila nambailan-jareo nihinagna. 14Aveo, koafa nahita zany famantaragna nitsabony zany ny ôlogno, dia nivaolagna zareo nagnanjao: "Tô taigna lehy mpagnazary zay tonga aketo amin'izao tontolao zao." 15Koafa hitan'i Jesôsy fao avy zareo halaka Azy ndraiky hagnambony Azy an-keriny ho mpanjaka, dia nimpôdy tegny an-tanety manaokagna indraiky Izy.16Koafa aligny andro, dia nijôtso tegny amin'ny ranomasigny reo mpianany. 17Nandaiha agnaty lakagna zareo, kay nitsaka ny ranomasigny handaiha akagny Kapernaomy. Afa mahizigny tamn'ny zay, aveo Jesôsy mbôla tsy teo amina-jareo faogna. 18Nisy rivotro nidalavoko mafy, aveo nahay nafy ny ranomasigny.19Koafa nivoy teo amin'ny dimy amby roapôlo na telopôlo stadio teo zareo, dia nahita Jesôsy nandaiha tamin'ny ranomasigny ary nagnatogno ny lakagna, kay ambory zareo.20Fa nivaolagna Izy tamin-jareo: "Zaho faogna tô! Aza ambory." 21Aveo vôgnogno ny halaka Azy tao amin'ny lehy lakagna zareo, ary samby teo dia tonga teny amin'ny lehy toairagna himboan-jareo lehy lakagna.22Ny amaraigny, hitan-jareo vahoaka zay nitsangagna tegny andafirôn'ny ranomasigny fao tsisy lakagna hafa teo koa tsy lehy araiky faogna, avakeo Jesôsy tsy niditry tao niaraka tamin'ny reo mpianany fao nandaiha manaokagna reo mpianany. 23Kanaifa, nisy lakagna maromaro avy akagny Tiberiasy teo narikitry lehy toairagna zay nihinanan-jareo môfo koafa avy nisaotra ny Tompo.24Koafa hitan'ny vahoaka fao tsy teo na Jesôsy na reo mpianany, dia niditry tagnaty lakagna zareo avakeo nandaiha Kapernaomy hizaha Jesôsy.25 Koafa hitan-jareo tegny andafirôn'ny renirano Izy, dia nivaolagna zareo taminazy: "Raby, tafriagna Anao avy teto?"26Jesôsy namaly zareo, nagnanjao: Volagniky aminareo marigny, marigny tatô be, fao mizaha Zaho areo, tsy nohon'ny nahitanareo famantaragna, fao nohon'ny nihinananareo môfo kay vôky.27 Aza miasa hoan'ny hanigny mety levogno, fao miasà hoan'ny hanigny zay mahadigny hoan'ny fiainagna bariky dintany zay hamaizan'ny Zanak'Ôlogno areo, satria Zagnahary Iada no nagnisy tomb-kase taminazy."28Avakeo nivaolagna zareo taminazy: "Ino no tsy maintsy tsabonay mbô hagnanaovanay reo asanjagnahary?"29 Jesôsy namaly kay nagnanjao: "Zao no asan-jagnahary: dia ny hinoanareo lehy araiky zay nirahiny."30Kay hoizy zareo taminazy: "Ino ary no famantaragna ho tsabonao, mbô hizahavanay ndraiky hinoanay Anao? Ino no ho tsabonao? 31Ny iadanay nihinagna mana tagny an-tany maty, araky ny voasaoratra magnanjao: Namaizany môfo avy akagny an-ndangitry zareo hoanigny."'32Aveo Jesôsy namaly zareo nagnanjao: "Volagniky aminareo marigny, taigna marigny, fao tsy Mosesy no nagnamia areo môfo avy akagny an-dangitry, fao Iadako no nagnamia areo ny taigna môfo avy akagny an-dangitry. 33Satria ny môfon-Jagnahary dia lehy mijôtso avy akagny an-dangitry kay magnamia fiainagna ho an'ny zao tontolo zao." 34Kay hoizy zareo taminazy: "Tompoko, amaizo zahay lalandava zany môfo zany."35Dia hoizy Jesôsy tamin-jareo: "Zaho no môfon'ny fiainagna; zay magnatogno Zaho tsy mbô ho tihinagna eky.36 Kanaifa afa nambarako taminareo fao nahita Zaho faogna areo, naifa tsy mino.37Jiaby zay amaizan'ny Iadako Zaho dia hagnatogno Zaho, avakeo zay magnatogno Zaho tsy mbô ho ariako.38Fao nijôtso avy an-dangitry Zaho tsy mbô hitsabo ny sitraka fônaha zeraiky, fao ny sitraka fôn'ny zay nagniraka Zaho.39 Aveo zao no sitrapôny zay nagniraka Zaho, dia ny tsy hagnariako zay jiaby namaizany Zaho, fao hanangagna zareo amin'ny andro farany.40 Satria zao no sitra-pôny Iadako, dia ny mbô hazahoan'ny jiaby zay mahita Zanaka ndraiky mino Azy ny fiainagna bariky dintany aveo hoatsangako amin'ny andro farany izy.41Aveo nignemognemogno mahakasiky Azy reo Jiosy satria Izy nivaolagna: "Zaho no môfo nijôtso avy agny an-dangitry." 42Ary hoizy zareo: "Tsy lehy Jesôsy zanak'i Josefa moa io, zay haintsika ray aman-dreniny? Akôry no ivolagnany magnanjao: 'Nijôtso avy akagny an-dangitry Zaho'?"43Jesôsy namaly kay nagnanjao tamin-jareo: "Ajanony ny fegnemognemognareo eo agnivonareo.44Tsisy ôlogno afaka magnatogno Zaho raha tsy Iadako zay nagniraka Zaho no managno azy, ary hatsangako izy amin'ny andro farany.45 Zany dia voasaoratra ao amin'ny bokin'ny mpagnazary magnanjao: 'Hampianarin-Jagnahary izy jiaby.' Zay jiaby nitandregny ndraiky nianatra tamin'ny Iadako no magnatogno Zaho.46Tsisy nahita Iada, afa tsy zay avy amin-Jagnahary, izy nino nahita ny Iada. 47Volagniky aminareo marigny, taigna marigny, fao zay mino no managna fiainagna bariky dintany.48Zaho no môfon'ny fiainagna.49Ny Idabenareo nihinagna mana tagny antanimaty, ary maty zareo.50Tô no môfo nijôtso avy akagny an-dangitry, mbô tsy hofoaty zay mihinagna amin'ny zany. 51Zaho no môfo velogno nijôtso avy akagny an-dangitry. Raha misy ôlogno mihaomagna amin'ny tô môfo tô, dia ho velogno bariky dintany izy. Ny môfo zay hamaizako nôfoanaha no hoan'ny fiaignan'ny zao tontolo zao.''52Nahay vingitry reo Jiosy kay nanomboko niady hevitry, nagnanjao: "Akôry no ahafahan'io lalahy io magnamia atsika nôfoanazy hoanigny?" Ary nivaolagna Jesôsy tamin-jareo: 53''Volagniky aminareo marigny, taigna marigny, fao raha tsy mihinagna nôfon'ny Zanak'Ôlogno areo ndraiky mgiaka ny linazy, tsy hanagna fiainagna ao aminareo.54Na zôvy mihinagna nôfoanaha ndraiky migiaka linaha dia managna fiainagna bariky dintany, aveo hatsangako izy amin'ny andro farany.55 Fao ny nôfoanaha no taigna fihoanigny, avakeo ny linaha no taigna figiahigny.56 Zay mihinagna nôfoanaha ndraiky migiaka linaha no mitoetra ao Aminaha, ary Zaho ao aminazy.57Karaha nagnirahan'ny Iada velogno Zaho, ndraiky hotra hivilaomako nohon'ny Iada, zay mihinagna Zaho, ho velogno faogna koa nohon'ny Aminaha. 58Tô lehy môfo nijôtso avy akagny an-dangitry, tsy hotra ny Iadabe nihinagna kay maty. Zay mihinagna tô môfo tô dia ho velogno bariky dintany."59 Fao Jesôsy nivaolagna reo raha reo tao amin'ny Synagoga koafa nampianatra tao Kapernaomy Izy.60Ary maro tamin'ny reo mpianany zay nitandregny no nivaolagna nagnanjao: "Fampianaragna sarotro zany; zôvy no afaka hanaiky zany?" 61Jesôsy, noho Izy nalahelo reo mpianany, nivaolagna zareo nagnanjao: "Magnafintohigny areo moa zany?62Koa akôry raha tôkony hahita ny Zanak'Ôlogno miaraka amin'ny nipitrahany talaoha areo? 63Ny Fagnahy no magnamia fiainagna. Reto vaolagna zay nikoragniky taminareo dia fagnahy, ary fiainagna reo.64Mbôla misy sasany aminareo tsy mino." Fao Jesôsy afa nahay rango tamboalaohany zay tsy hino ndraiky zay hamadiky Azy. 65Nivaolagna Izy nagnanjao: "Noho zany no nagnambarako taminareo fao tsisy ôlogno afaka magnontany Zaho raha tsy namian'ny Iada Azy zany."66Noho zany, maro tamin'ny reo mpianatra nazy no nandaiha avakeo tsy niara-dia taminazy eky. 67Dia hoizy Jesôsy tamin-jareo aroa ambin'ny fôlo: "Tsy te handaiha koa moa areo, sa tsia?" 68Ary Simona Petera namaly Azy nagnanjao: "Tompo, handaiha amin-jôvy moa zahay? Anao no managna ny vaolagna fiainagna bariky dintany, 69aveo mino zahay kay magnatogno mbô hahay fao Anao no lehy Masin-Jagnahary."70Nivaolagna Jesôsy taminjare nagnanjao: "Tsy Zaho moa no nifidy areo, aroa ambin'ny fôlo, ary ny araiky aminareo Devoly?" 71Avakeo Jodasy zanak'i Simona Iskariota no koragniny, satria izy, lehy araiky amin'izy aroa ambin'ny fôlo, zay hamadiky Jesôsy.
Chapter 7
1Tafarany reo raha reo Jesôsy dia nandaiha tagny Galilia, fao tsy tehandaiha akagny Jodia naifa Izy noho reo Jiosy mikasa hamono Azy.2 Ary afa narikitry ny andro firavoravoan'ny Jiosy ny Tabernakely.3Noho zany reo rahalahy nivaolagna taminazy nagnanjao: "Mialà amin'ny tô toeragna tô avakeo mandihiana akagny Jodia, mbô hafahan'ny reo mpianatrao mahita reo asa tsabonao faogna koa.4 Tsisy ôlogno magnano raha mivôny zany raha izy haigniny ary te-ho hay ampahibemaso. Raha magnano reo raha reo anao, miboaha amin'ny zao tontolo zao."5Fao na reo rahalahiny aby tsy nino Azy. 6Noho zany Jesôsy nivaolagna zareo nagnanjao: "Mbôla tsy tonga fotoagnanaha, fao ny fotoagnanareo ndraiky dia vôgnogno lalandava.7Tsy afaka halaigny areo zao tontolo zao, fao zaho no halany satria mivaolagna fao ratsy reo asany.8Areo miakara akagny amin'ny firavoravoagna; Fao Zaho ndraky tsy handaiha amin'ny zany satria tsy mbôla tonga fotoagnanaha.'' 9Tafaran'ny nivolagnany reo raha zareo, dia nijanogno tao Galilia Izy.10Fao koafa nakatra tagny amin'ny firavoravoagna reo rahalahiny, nakatra tagny faogna koa Izy aveo, tsy niboaka fao nivôny. 11Nitady azy tagny amin'ny firavoravoagna reo Jiosy aveo nivaolagna nagnanjao: "Aiza Izy?"12Nisy koragna maro taigna maro mahakaisky Azy tagnivon'ny reo vahoaka. Ny sasany mivaolagna fao: "Lalahy tsara Izy." Reo hafa mivaolagna: "Tsia, mitariky vahoaka akagny amin'ny fahaviraizagna Izy." 13Ary tsisy nahasaiky nikoragna ampahabemaso mahakasiky Azy nohon'ny hamboriagna reo Jiosy.14Koafa nisasaka ny firavoravoagna, dia nakatra tagny amin'ny Tempoly Jesôsy ary nanomboko nampianatra.15 Aveo dia gaga reo Jiosy, magnanjao: Akôry no hahaizan'io lalahy io zany jiaby zany? Izy tsy mbô nandalo fianaragna lasite."16 Jesôsy namaly zareo nagnanjao: "Tsy nihinaha ny fampianarako, fao avy amin'Izy zay nagniraka Zaho.17Raha misy ôlogno magniry hagnano sitra-pônazy, dia hahay mahakaisky io fampianaragna io izy, na avy amin-Jagnahary zany, na Zaho no mivaolagna avy amin'ny taignanaha.18Na zôvy na zôvy mivaolagna avy amin'ny taignany dia mitady vogninahitry ny haigniny zeraiky, fao na zôvy na zôvy mitady vogninahitry zay nagniraka azy, dia io ôlogno io no marigny, avakeo tsisy tsy fahamarinagna ao aminazy.19Tsy namaizan'i Mosesy areo moa lalàgna? Naifa tsisy aminareo mitandrigny lalàgna. Nagnino areo mitady hamono Zaho?" Namaly vahoaka nagnanjao: 20"Anao misy masantôko. Zôvy koa mitady hamono Anao?"21Jesôly namaly kay nivaolagna: "Asa araiky no nitsaboky, aveo gaga noho zany jiaby areo. 22Namaizan'i Mosesy ny famoràgna areo (Tsy hoe avy amin'i Mosesy zany, fao avy amin'reo razagna), ary amin'ny Sabata dia mamaora areo.23Raha amin'ny Sabata no amoragna ny ôlogno mbô tsy ho voadika ny lalàn'i Mosesy, dia akôry areo vingitry aminaha raha nampahivagna tantairaka ôlogno araiky tamin'ny Sabata Zaho? 24Aza mitsara amin'ny bika ambailany, fa mitsarà am-pahamarignagna."25Nisy sasany tamin-jareo avy akagny Jerosalema nivaolagna nagnanjao: "Tsy tô moa lehy tadiavin-jareo ho vonogny? 26Zahavo, mikoragna mibaribary Izy, ary tsisy mivaolagna na ino na ino Azy zareo. Dia ho taigna hain'ny mpitondra moa fao Izy no Kristy, sa akôry?27Afa haintsika hoe avy aiza io lalahy io. Fao koafa tonga lehy Kristy, dia tsy hoisy hahay hoe avaiza Izy."28Aveo nangaiky mafy Jesôsy tao agnaty tempoly, nampianatra avakeo nivaolagna nagnanjao: "Areo samy mahay taignako ary mahay fiaviako. Tsy tonga nohon'ny Taignako zeraiky Zaho, fao lehy nagniraka Zaho dia marigny, ary tsy hainareo Izy. 29Haiky Izy satria Zaho avy Aminazy ary Izy no nagniraka Zaho."30Niaizaka hanambotro Azy zareo, fao tsisy nagnainjagna tagnagna taminazy satria tsy mbôla tonga ny fotoagnanazy. 31Kanaifa maro tamin-jareo vahoaka no nino Azy, avakeo hoizy zareo: "Koafa tonga lehy Kristy, moa hitsabo famantaragna maro noho ny vitan'io Lalahy io moa Izy?" 32Nitandregny vahoaka nibisibisika reo raha mahakasiky Jesôsy reo ny Fariseo, aveo ny laohan'ny mpisôrogno ndraiky reo Fariseo dia nagniraka mpiandry raharaha hanambotro Azy.33Nivaolagna Jesôsy: "Hely tavaila ny fotoagna hiarahako aminareo, dia handaiha akagny amin'ny lehy nagniraka Zaho zaho. 34Hizaha Zaho areo fao tsy hahita Zaho; zay himboako, tsy ho azonareo himboagna."35Noho zany reo jiosy dia nifampiraisaka nagnanjao: "Fao handaiha ho aiza io lalahy io no tsy ho vitantsika ny hitady Azy? Handaiha hoagny amin'ny reo zay nipariaka nandaiha amin'i Grika dia hagnanatra reo Grika moa? 36Ary ino dikan'ny vaolagna nambarany nagnanjao: 'Hitady Zaho areo fao tsy hahita Zaho; zay himboko, tsy ho azonareo andihianagna'?"37Ary tamin'ny farany, andro goalahy amin'ny firavoravoagna, dia nitsangagna Jesôsy aveo nivaolagna mafy nagnanjao: "Raha misy tihigiaka, ambilao izy hagnatogno Zaho avakeo higiaka.38Zay mino zaho, araka ny volagnin'ny Saoratra Masigny, dia hikoriagna avy ao an-kibonazy onin'ny rano velogno."39Fao zao no nambarany mahakasiky Fagnahy Masigny, reo zay nino Azy no halaka; lehy Fagnahy tsy mbôla namiagna satria tsy mbôla nahazo vogninahitry Jesôsy.40Ny sanany tamin'ny reo vahoaka, koafa naharegny reo vaolagna reo, dia nivaolagna nagnanjao: "Tô tatokitry lehy mpagnazary."41Reo hafa nivaolagna: "Tô lehy Kristy." Fao ny sanany nivaolagna: "Fao Kristy moa avy akagny Galilia? 42Tsy koragnin'ny Saoratra Masigny moa fao Kritsy dia hoavy amin'ny tamingan'i Davida aveo avy akao Betlehema, lehy tanàgna zay nisy Davida?"43Kay nisy fizaragna teo amin'ny vahoaka noho Izy. 44Ny sanany tamin-jareo te-hanambotro Azy, fao tsisy nagnainjatagnagna taminazy.45Avakeo reo mpiandry raharaha nimpôdy tagny amin'ny reo laohan'ny mpisôrogno ndraiky reo Fariseo, zay nivaolagna tamin-jareo hoe: "Nagnino areo tsy ninday Azy?" 46Namaly reo mpiambigny raharaha nagnanjao: "Tsy mbôla nisy nikoragna karaha zany velively."47Noho zany reo Fariseo namaly zareo nagnanjao: "Voafitaka faogna koa moa areo? 48Moa nisy tamin-jareo mpanapaka mbô nino Azy, na tamin'ny reo Fariseo? 49Fao reo vahoaka reo dia tsy mahay lalàgna, voahôzogno reo."50Nikedemosy (Araiky amin'ny reo Fariseo, zay tonga mialaoha teo aminazy), nivaolagna nagnanjao: 51"Moa ny lalàgnantsika mitsara ôlogno mialaohan'ny handrignaisagna azy kay ahaizagna zay nitsabony?'' 52Namaly zareo avakeo nivaolagna taminazy nagnanjao: "Avy akagny Galilia koa moa anao? Mikaraoha aveo zahavo fao tsisy mpagnazary avy akagny Galilia."53(Fagnamarihagna: Ny dika-teny talaoha bahery tsara dia tsy ahitavagna ny Jaona7:53-8:11) [Avakeo ny tsiaraikiaraiky nandaiha akagny an-tragno aby.Chapter 8
1Fagnamarihagnna: Zahavo ny fagnamarihagna mahakasik'i Jaona7:53-8:11 aketo ambony) Nandaiha an-tanetin'i Oliva Jesôsy. 2Vao marandraigny dia nadaiha an-tempoly indraiky Izy, ary ny ôlogno jiaby nagnatogno Azy; nipaitraka Izy avakeo nampianatra zareo. 3Reo mpanora-dalagna ndraiky reo Fariseo dia nitondra vaiavy araiky takatra nijangajanga. Nambailan-jare tagnivo izy.4(Fagnamarihagna: Zahavo ny fagnamarihagna momban'i Jaona7:53-8:11 aketo ambony) Aveo hoizy zareo taminazy: "Oa mpagnanatra, tô vaiavy tô takatray tam-pijangajangagna.5Ary ao amin'ny lalàgna, Mosesy nagniraka zahay mbô hitopiagna vato ny ôlogno hotra zany; ino no ambaranao azy?" 6Nivolagnin-jareo hamandriky Azy faogna kanaifa zany mbô ahafahan-jareo magnameloko Azy, fao Jesôsy ndraiky niondriky avakeo nanaoratra tamin'ny tany tamin'ny ratsantagnany.7(Fagnamarihagna: Zahavo ny fagnamarihagna momban'i Jaona7:53-8:11 aketo ambony) Koafa nagnapaitraka fagnontaniagna taminazy hatragny zareo, dia nitsangagna Izy kay nivaolagna zareo nagnanjao: "Zay tsy nanota taminareo aoka izy no hanopy vato azy voalaohany."8 Dia nondriky Izy, aveo nanaoratra tamin'ny tany tamin'ny ratsantagnany.9(Fagnamarihagna: Zahavo ny fagnamarihagna momban'i Jaona7:53-8:11 aketo ambony) Koafa nitandregny zany zareo, dia niala tsiaraikiaraiky, nanomboka tamin'ny taigna zokiny. Ary ny farany dia Jesôsy zeraiky faogna tavaila teo, niaraka tamin'ny lehy vaiavy zay teo agnivony.10 Nitsangagna Jesôsy kay nivaolagna taminazy nagnanjao: "Ravehivavy, fa lôsogno aiza zareo mpagnameloko anao? 11Tsisy magnameloko anao moa? Hoizy: "Tsisy, Tompoko." Ary hoizy Jesôsy: "Tsy magnameloko anao Zaho. Mandihiana aveo aza manota eky.]12Nivaolagna tamin-jareo indraiky Jesôsy nagnanjao: "Zaho no fahazavagnan'izao tontolo zao; zay magnaraka Zaho tsy handaiha amin'ny hizigny fao hanagna fahazavagnan'ny fiainagna." 13Hoizy Fariseo taminazy: "Anao magnambara haigninao; tsy marigny ny fagnambaragnanao."14Jesôsy namaly kay nagnanjao tamin-jareo: "Na dia magnambara haigninaha aby Zaho, marigny ny fagnambarako. Haiky ny nihaviako ndraiky làlagna mboako, fao areo ndraiky tsy mahay zay nihaviako na zay mboako.15 Areo mitsara araka ny nôfo; fao Zaho tsy mitsara na zôvy na zôvy.16 Na dia mitsara aby Zaho; marigny ny fitsarako satria tsy araiky Zaho, fao miaraka amin'ny Iadako zay nagniraka Zaho.17Ia, ary ao amin'ny lalàgnanareo dia voasaoratra fao marigny ny fitsanganan'ny ôlogno aroa antomoa. 18Zaho magnamabara ny haigninaha, avakeo Iada zay nagniraka Zaho faogna koa dia magnambara Zaho."19Hoizy reo taminazy: "Aiza ny Iadanao?" Jesôsy namaly: "Tsy hainareo na Zaho na ny Iadako; raha nahay Zaha areo, dia mahay iadako koa." 20Teo narikitry fandatsahagna rakitry Izy nivaolagna zany vaolagna zany raha tô Izy nampianatra teo amin'ny tempoly tô, avakeo tsisy nanambotro Azy satria tsy mbôla tonga ny fotoagna.21Ary hoizy ndraiky tamin-jareo: "Andaiha Zaho; hizaha Zaho areo ary hifoaty amin'ny fahotagnanareo. Zay mboako, dia tsy ho azonareo mboagna." 22Hoizy reo Jiosy nagnanjao: ''Hamono taigna moa Izy? Zany moa no antony nivolagnany nagnanjao: 'Zay himboako, dia tsy azonareo himboagna'?''23Hoizy Jesôsy tamin-jareo: "Avy etoy ambany areo; Zaho ndraiky avy akagny ambony. Avy amin'izao tontolo zao areo, fao Zaho tsy avy amin'izao tontolo zao. 24Noho zany, namabarako taminareo fao hifoaty ao amin'ny fahotagnanareo areo. Fao raha tsy mino areo fao ZAHO NO IZY, dia hifoaty amin'ny fahotagnanareo areo."25Noho zany dia hoizy zareo taminazy nagnanjao: "Zôvy moa Anao?" Nivaolagna Jesôsy tamin-jareo: "Araka zay nambarako taminareo rango tam-boalaohany.26 Managna raha maro ho koragnigny ndraiky hitsaragna mahakasiky areo Zaho. Naifa, Izy zay nagniraka Zaho dia marigny; aveo reo raha zay regniky avy taminazy, dia hambarako amin'izao tontolo zao."27 Tsy azon'ny reo naifa fao Izy nikoragna tamin-jareo mahakasiky Iada.28Nivaolagna Jesôsy: "Koafa asandratrareo ny Zanak'Ôlogno, dia ho hainareo fao Zaho no Izy, ary tsy magnano na ino na ino hoanaha Zaho. Araka ny nampianarin'ny Iada Zaho, no hikoragnako reo raha reo.29 Izy zay nagniraka Zaho dia miaraka aminaha, ary tsy magnambaila Zaho ho manaokagna Izy, noho Zaho magnano zay ankasitrahiny lalandava." 30Raha nivaolagna reo raha reo Jesôsy, dia maro no nino Azy.31Jesôsy nivaolagna tamin-jareo Jiosy zay nino Azy nagnanjao: "Raha midôko amin'ny vaolagna naha areo, dia ho taigna mpianatranaha; 32ary ho hainareo ny marigny, ary ny marigny hagnafaka areo." 33Ary zareo namaly Azy nagnanjao: "Taranak'i Abrahama zahay ary tsy mbôla andevoziny na zôvy na zôvy letrizay; koa akôry no hivolagnanao: 'Hoafaka areo'?''34Jesôsy namaly zareo nagnanjao: "Volagniky aminareo marigny, bahery marigny, fao reo zay manota dia andevon'ny ota.35 Ny andevo tsy midôko antragno bariky dintany; fao ny zanaka no midôko bariky dintany.36 Noho zany, raha ny Zanaka no magnafaka areo, taigna hoafaka areo.37Haiky fao taranak'i Abrahama; mizaha zay hahafaty Zaho satria tsy managna toairagna aminareo ny vaolagna naha. 38Mivaolagna zay hitako niaraka tamin'ny Iadako Zaho, avakeo areo koa magnano zay regninareo tamin'ny Iadanareo."39Namaly zareo kay nivaolagna taminazy nagnanjao: "Abrahama iadanay." Jesôsy nivaolagna zareo: "Raha zanak'i Abrahama areo, hagnano asan'i Abrahama. 40Naifa, zeo areo mitady hamono Zaho, zay lalahy nivaolagna taminareo ny marigny zay regniky tamin-Jagnahary. Abrahama tsy nagnano zany. 41Areo magnano ny asan'ny iadanareo." Hoizy zareo taminazy: "Tsy tairaka tamin'ny fijangajangagna zahay; araiky faogna Iadanay: dia Zagnahary."42Jesôsy nivaolagna zareo nagnanjao: "Raha Zagnahary Iadanareo, dia tôkony ho tia Zaho areo, satria avy tamin-Jagnahary naviako ndraiky nandihianako atoy; fao tsy tonga hoazy Zaho, fao Izy nagniraka Zaho. 43Nagnino tsy azonareo vaolagnanaha? Zany satria tsy afaka hagneky ny taignako areo.44 Avy amin'ny iadanareo areo, lehy devoly, ary ny tianareo tsabogny dia ny filagna zay nitsabon'ny iadanareo. Mpamono ôlogno rango zay izy ary tsy mitsangagna amin'ny fahamarignagna satria tsisy marigny ao aminazy. Koafa mavandy izy dia ny toaitra fatany faogna volagniny satria mpavandy izy ary iadan'ny vandy.45Naifa, satria mivaolagna marigny Zaho, dia tsy mino Zaho areo.46 Zôvy aminareo magnameloko Zaho amin'ny fahotagna? Raha mivaolagna marigny Zaho, nagnino tsy hinoanareo?47Zay avy amin-Jagnahary mitandregny vaolagna Zagnahary; Tsy mitandregny zany areo satria tsy avy amin-Jagnahary."48Namaly reo Jiosy kay nivaolagna taminazy nagnanjao: "Moa tsy mivaolagna marigny zahay fao Samaritana Aanao avakeo misy masantôko?"49 Jesôsy namaly nagnanjao: "Tsisy masantôko Zaho, fao magnamia vogninahitry Iadako, ary areo tsy magnamia vogninahitry Zaho.50Tsy mitady vogninahitry Zaho; misy araiky mitady ndraiky mitsara.51 Volagniky aminareo, marigny, taigna marigny, fao raha misy mitandrigny vaolagna naha, tsy hahita fahafataisagna bariky dintany izy."52Nivaolagna reo Jiosy taminazy: Zeo hainay fao managna masantôko Anao. Afa maty Abrahama ndraiky mpagnazary; naifa Anao mivaolagna: 'Raha misy mitandrigny ny vaolagna naha, dia tsy hahita fahafataisagna bariky dintany izy.'53 Tsy goalahy noho ny iadanay Abrahama zay afa maty Anao, sa moa goalahy? Reo mpagnazary faogna koa dia maty. Magnano ny haigninao ho zôvy moa Anao?"54Jesôsy namaly: "Raha mankalaza haigninaha Zaho, ho tsinotsinona ny vogninahitro; ny Iadako zay atanareo ho Zagnahary no mankalaza Zaho. 55Tsy hainareo Izy, fao Zaho mahay Azy. Raha mvaolagna Zaho magnanjao: 'tsy mahay Azy Zaho,' dia ho taokagna areo, mpavandy. Naifa haiko Izy kay mitandrigny vaolagna nazy Zaho.56 Ny iadanareo niafy nahita andronaha; nahita zany izy dia ravo."57Nivaolagna reo Jiosy taminazy: "Mbôla tsy ampy dimam-pôlo tagno aby Anao, kay afa nahita Abrahama moa?58 Ary hoizy Jesôsy tamin-jareo: "Volagniky aminareo, marigny, taigna marigny, talaohany nahatirahan'i Abrahama, Zaho no Izy." 59Aveo nalaka vato hatopy Azy zareo, fao Jesôsy ndraiky nilaifa kay niboaka tempoly.
Chapter 9
1Ary raha nandalo Jesôsy, dia nahita lalahy gila letry voho tairaka.2Nagnontany Azy reo ny mpianany nagnanjao: "Raby, zôvy no nanota, io lalahy io sa reo ray ama-ndreniny, no tairaka gila zao izy?"3Jesôsy namaly nagnajao: "Tsy io lalahy io no nanota, na ny ray aman-dreniny, fao nitsabogny zao mbô hanehoagna aminazy ny asan-Jagnahary.4Tsy maintsy magnano ny asan'ny zay nagniraka Zaho atsika raha mbôla mazava. Fao hoavy ny aligny zay tsy ahafahagna na zôvy na zôvy miasa eky. 5Raha mbôla aketo amin'ny izao tontolo izao Zaho, dia Zaho no fahazavan'izao tontolo zao."6Koafa avy nivaolagna zany Jesôsy, nandrora tamin'ny tany, aveo nagnano feta tamin'ny lehy rora, kay nagnôsotro faotaka tamin'ny mason'ny lehy lalahy. 7Nivaolagna Jesôsy: "Mandihiana, sasao egny amin'ny ranon'ny Siloama (Zay adika hoe: Nirahigny) ny masonao." Kay lôso ralehilahy, nanasa zany, aveo nimpôdy nahita.8Ary nifampangnontany reo ôlogno mpiray vody rindrigny tamin-dralehilahy ndraiky reo zay nahita azy nangataka talaoha nagnanjao: "Tsy tô moa lehy lalahy nipaitraka nangataka teto?" 9Ny sanany nagnanjao: "Izy io." Ary ny hafa nivaolagna: "Tsia, fao taokagna aminazy faogna izy." Fao izy ndraiky nagnanjao: "Zaho tô.''10Hoizy zareo taminazy: "Koa nagnankôry nahitavan'ny masonao?" 11Namaly izy: "Lehy lalahy antsôvigny hoe Jesôsy no nagnano feta ary nagnôsotro zany tamin'ny masoanaha kay nivaolagna taminaha nagnanjao: 'Mandihiana akagny Siloama avakeo sasao ny masonao.' Dia nanadaiha zaho ary nanasa zany kay nahita. " 12Hoizy zareo taminazy: "Aiza Izy?" Dia nivaliany: "Tsy haiky."13Nindesinjareo teo amin'ny Fariseo lehy lalahy zay gila talaoha. 14Tamin'ny andro Sabata moa no nitsaboan'i Jesôsy ny feta ndraiky nampahita ny masoanazy. 15Ary nagnontany azy indraiky reo Fariseo ny amin'ny fomba nahitavany. Hoizy tamin-jareo: "Nasiany feta ny masoanaha, nisasako, kay mahita Zaho zao."16Ny sanany tamin-jareo Fariseo nivaolagna: "Tsy avy amin-Jagnahary tô lalahy tô satria tsy mbô magnaja ny sabata." Ny hafa nagnanjao: Akôry no afahan'ny ôlogno mpanota mitsabo famantaragna gaida hotra zao?" Kay nisy fizarazaragna teo amin-jareo. 17Kay nimpôdy nagnontany lehy lalahy gila indraiky zareo nagnanjao: "Inona no hambaranao mahakasiky Azy, letry nampahitavany masonao?" Hoizy lehy lalahy gila: "Mpagnazary Izy." 18Ary mbôla tsy nino ny mahakasiky azy faogna reo Jiosy hoe izy dia afa gila kay nahita raha tsy nagnantso ny ray aman-dreniny lehy lalahy nahita zareo.19Nagnontany reo ray aman-dreniny zareo nagnanjao: "Tô moa lehy zanakareo zay volagninareo fao tairaka gila? Koa nanankôry no ahitavany zao?"20Aveo nivalian'ny reo ray aman-dreny zareo nagnanjao: "Hainay fao zanakay io sady tairaka gila izy.21Fao naifa amin'ny nahitavany, tsy hainay. Agnontania azy, afa gaida izy. Afaka mivaolagna hoan'ny haignianazy izy."22Nivaolagna zany reo ray aman-dreniny, satria natahotro reo Jiosy zareo. Satria afa narikitry reo Jiosy fao raha misy magneky Azy ho Kristy, ho roahigny hiala ao amin'ny synagoga izy. 23Nohon'ny amin'ny zany, no nivolagnanjareo ray aman-dreniny nagnanjao: "Afa gaida izy, izy no agnintania."24Avakeo nagnantso lehy lalahy gila talaoha fagnindrony indraiky zareo nivaolagna taminazy nagnanjap: "Amiazo vogninahitry Zagnahary. Hainay fao mpanota zany lalahy zany.'' 25Aveo namaly lehy lalahy: "Tsy haiky alaoha raha mpanota Izy. Ny haiko zao: Afa gila zaho talaoha, fao zao zaho nahita."26Aveo hoizy zareo taminazy: "Fao ino no natany taminao? Akôry ny fomba nampahitavany masonao?" 27Dia namaly izy: "Afa nambarako taminareo, fao areo tsy nitandregny! Kay akôry areo no ti-hitandregny zany indraiky? Ti-ho agnisan'ny mpianany faogna koa ma areo, sa tsy zany?" 28Nagneso azy zareo kay nivaolagna nagnanjao: "Anao no mpianatra nazy, fao zahay mpianatr'i Mosesy. 29Hainay fao afa nikoragna tamin'i Mosesy Zagnahary, fao raha zany lalahy zany dia tsy hainay zay naviany."30Dia namaly lehy lalahy kay nagnanjao: "Mahagaga zany, tsy hainareo zay naviany, naifa nampahita masoanaha Izy.31 Haintsika fao tsy mitandregny reo mpanota Zagnahary, fao raha misy mazôto mivavaka ndraiky magnano sitra-pônazy, dia mitandregny azy Izy.32Letry niantomboahany zao tontolo zao tsy mbôla regny velively hoe nisy nampahita ny mason'ny zay tairaka gila. 33Koa raha tsy avy aminjagnahary zany lalahy zany, tsy mahaifa na ino na ino." 34Aveo namaly zareo kay nagnanjao taminazy: "Taigna tairaka tamin'ny ota anao, anao ndraiky moa hampianatra zahay?" Avakeo niroasin-jareo niboaka izy.35Regnin'i Jesôsy fao niroahin-jareo tao amin'ny synagoaga izy. Ary Izy nahita azy dia nivaolagna nagnajao: "Mino ny Zanak'Ôlogno moa anao?" 36Namaly izy: "Zôvy moa Izy, Tompo, mbô hinoako Azy?" 37Jesôsy nagnanjao taminazy: "Afa nahita Azy anao, aveo lehy araiky zay mikoragna aminao zao zany." 38Hoizy lehy lalahy: "Tompo mino zaho." Aveo nidaira Azy izy.39Jesôsy nivaolagna: "Fao fitsaragna no nahatongavako aketo amin'ny zao tontolo zao mbô hahita reo gila aveo mbô ho tonga gila reo zay mahita."40 Naharegny zany ny sanany tamin'ny reo Fariseo zay niaraka taminazy kay nagnontany Azy nagnanjao: "Ary zahay faogna koa moa gila?''41Fao Jesôsy nivaolagna taminjareo nagnanjao: "Raha gila areo, tsy ho nanan-keloko, fao areo ndraiky zeo mivaolagna: 'Mahita zahay,' dia mbôla mitoaitra ny helokoareo."Chapter 10
1"Ambarako aminareo, marigny, taigna marigny, fao zay tsy miditry amin'ny tamiagna ho amin'ny valan'ondry, fao magnaniky lalagna hafa, dia mpangalatra ndraiky mpandroba izy. 2Fao zay miditry amin'ny tamiagna ndraiky no mpiambigny ondry tsara.3Izy no sokoafin'ny mpiambigny tamiagna. Maharegny feonazy ny ondry, avakeo izy magnantso ondrianazy manaokagna amin'ny agnarany kay minday azy miboaka. 4Koafa nagnaboaka azy jiaby izy, nialaoha lalagna zareo, aveo magnaraka azy ny ondrianazy, satria mahay feonazy.5Ary tsy hagnaraka vahiny reo fao hilaifa azy ndraiky, satria tsy hainy ny feony vahiy."6 Jesôsy nivaolagna zany aohatra zany tamin-jareo, naifa tsy azonjareo aby reo raha nivolagniny taminjareo.7Dia hoizy ndraiky Jesôsy tamin-jare: "Volagniky aminareo, marigny, marigny tatô be, fao Zaho no tamiagnan'ondry. 8Zay jiaby tonga talaohakanaha mpangalatra ndraiky mpandroba, satria tsy nitandregny zareo ondry.9Zaho no tamiagna. Raha misy miditry ao amin'ny alalako, ho voavonjy izy; hiditry ndraiky hiboaka izy aveo hahita fihinanagna. 10Fao ny mpangalatra tsy avy raha tsy hangalatra ndraiky hamono aveo handrava. Fao Zaho ndraiky avy mbô hanagnanjareo fiainagna aveo hanagna zany fôtry tatôbe.11Zaho no mpiambigny ondry tsara. Ny miambigny tsara manôlotro ny haigninazy hamonjy ondrinazy.12Ny mpikarama tsy miambigny avakeo tsy tômpony ondry. Raha nahita amboadia magnatogno izy hilaifa ny ondry kay hipariaka, aveo ny amboadia manambotro ndraiky mampipariaka zareo.13Milaifa izy satria mpikarama kay tsy miraharaha ny ondry.14Zaho no mpiambigny ondry tsara, ary haiko ny ninaha, ary hainy Zaho.15 Ny Iada mahay Zaho, avakeo Zaho mahay Iada, ary Zaho manôlotro ny aigninaha hoan'ny ondry.16 Managna ondry hafa zay tsy amin'ny tô vala tô Zaho. Tsy maintsy ho ndesiky faogna koa regny, aveo zareo haharegny feonaha mbô ho tonga andiany araiky faogna ndraiky mpiambigny araiky.17Zao no antony hitiavan'ny Iada Zaho: mahafoy manôlotro ny aigninaha Zaho mbô handraisako zany indraiky.18 Tsisy malaka zany aminaha, fao haigninaha faogna manôlotro zany. Managna fahefagna hanôlotro zany Zaho, aveo managna fahefagna halaka zany indraiky. Zany didy zany azoko avy tamin'ny Iadako."19Nisy fizarazaragna indraiky teo amin'ny reo Jiosy noho reo vaolagna reo.20Maro tamin-jare no nivaolagna nagnanjao: "Managna masantôko Izy aveo very saigny. Nagnino areo mitandregny Azy?" 21Ny sanany nivaolagna: "Tsy fivolagnan'ny ôlogno misy masantôko zany. Moa ny Masantôko afaka mampahita mason'ny gila?"22Aveo tonga ny fetin'ny fanokanagna tao Jerosalema.23 Rirignigny tamin'ny zany, aveo Jesôsy nitsangagna teo agnatin'ny tempoly teo amin'ny fialofan'i Solomona.24 Aveo nitangoraonan'reo Jiosy Izy avakeo nivaolagna taminazy nagnanjao: "Zisiky aiza no hampisalasalanao zahay? Raha Anao Kristy, dia volagno aminay mibaribary aminay."25Ary Jesôsy namaly zareo nagnanjao: "Afa nagnambara areo Zaho, fao tsy minao areo. Reo asa zay nitsaboky amin'ny agnaran'ny Iadako, reo no magnambara Zaho. 26Kanaifa areo tsy mino satria tsy mbô ondrinaha.27Mitandregny feonaha ny ondrinaha; haiko zareo, avakeo magnaraka Zaho. 28Amaizako zare ny fiainagna bariky dintany; kay tsy hofoaty bariky dintany zareo, ary tsy hisy handrobaka azy am-pailatagnako.29Ny Iadako, zay nagnamia reo Zaho, dia gaida noho ny hafa jiaby, aveo tsisy mahavita mandrobaka zareo ampailatagnan'ny Iada. 30Zaho ndraiky iada araiky faogna."31 Avakeo nalaka vato reo Jiosy mbô hanopy vato Azy.32Avakeo Jesôsy namaly zareo: "Maro ny asa tsara namboakako areo avy tamin'ny Iada. Kay ino tamin'ny regny asa regny hanopianareo vato Zaho? 33Namaly Azy reo Jiosy nagnanjao: "Tsy ny asa tsara no hanopianay vato anao, fao ny fivolagnandratsy, satria Anao, ôlombelogno, dia magnano ny haigninao ho Zagnahary."34Namaly zareo Jesôsy nagnanjao: "Tsy afa voasaoratra ao amin'ny lalagnanareo moa hoe: "Hoizy Zaho magnanjao: "zagnahary areo?" 35Raha nagnantso regny ho zagnahary izy, dia hoan-jôvy zany no navian'ny vaolagna Zagnahary (Ary ny Saoratra Masigny tsy azo foagnagna), 36Moa lehy nihamasignin'ny Iada ndraiky nirahigny ho amin'ny zao tontolo zao no atanareo hoe: 'Mivaolagna ratsy Anao,' noho Zaho nivaolagna: 'Zaho Zanaka Zagnahary'?37Koafa tsy magnano reo asan'ny Iadako Zaho, dia aza mino Zaho.38Fao raha magnano regny Zaho, na dia tsy mino Zaho aby areo, dia minoa reo asa mbô hahaizanareo ndraiky hazahoanare fao ny Iada dia akato Aminaha ary Zaho amin'ny Iada."39Mbôla nikasa ny hanambotro Azy indraiky zareo, fao nilaifa Izy.40Dia nandaiha andaforôn'i Jordana indraiky Izy hoagny amin'ny lehy toairagna zay nagnanaovan'i Jaona batisa voalaohany, aveo nidôko teo. 41Maro ny ôlogno nagnatogno Azy avakeo hoizy zareo: "Jaona tsy mbô nitsabo famantaragna, fao raha jiaby nivolagnin'i Jaona mahakasiky io lalahy io marigny."42 Maro ny ôlogo nino Azy teo.
Chapter 11
1Ary nisy lalahy araiky narary antsôvigny hoe: Lazarosy. Avy akao Betania izy, tanagnan'i Maria ndraiky Marta rahavaviny. 2Maria no nagnôsotro menaka mangitry Tompo ndraiky nagnadio ny tagnany tamin'ny volony, ary Lazarosy anadahiny narary.3Ary reo mpirahavavy nagniraka ôlogno hoagny amin'i Jesôsy, nivaolagna agnanjao: "Tompo, zahavo, fao marary lehy tianao."4 Koafa regnin'i Jesôsy zany, dia nivaolagna Izy nagnanjao: "Tsy fahafataisagna no hiafaran'tô aretigny tô, fao ndraiky ho fanehoagna vogninahitry Zagnahary mbô hagnandratagna ny Zanaka Zagnahary amin'ny alalan'ny zany."5Ary Jesôsy tia i Marta ndraiky rahavaviny aveo Lazarosy.6 Koafa naharegny Jesôsy fao marary Lazarosy, dia mbôla nijanogno aroa andro tao amin'ny toeragna nisy Azy Izy.7 Ary tafaran'ny zany nivaolagna tamin'ny reo mpiaatra Izy nagnanjao: "Alôhy atsika hoagny Jodia ndraiky."8Hoizy reo mpianatra taminazy: "Raby, amin'ny zao mikasa hanopy vato Anao reo Jiosy, kay mbôla himpôdy agny ndraiky Anao?"9 Ary namaly Jesôsy: "Tsy aroa ambin'ny fôlo ora moa ny fahazavagnan'ny andro? Raha misy ôlogno mandaiha amin'ny andro mazava, tsy ho tafintohigny izy, satria mahita fahazavagnan'izao tontolo zao.10Naifa, raha mandaiha amin'ny aligny izy, dia ho tafintohigny satria tsy aminazy ny fahazavagna." 11Nivaolagna reo raha reo Izy, ary tafaran'ny reo raha reo, hoizy tamin-jareo: "Resin-tory Lazarosy namantsika, fao handaiha Zao mbô hafahako hagnonjogno azy amin'ny tôromaso."12Kay hoizy reo mpianatra taminazy: "Tompo, raha resin-tory izy, ho tsara."13 Naifa Jesôsy nivaolagna fahafataisagna, naifa niheverin-jareo fao fialantsasatra amin'ny tôromaso no nivolagniny.14Aveo Jesôsy nivaolagna tsotra tamin-jareo nagnanjao: "Maty Lazarosy.15Ravo zaho, nohon'ny aminareo, fao tsy tagny Zaho mbô hahatonga areo hino. Andaiha atsika hoagny aminazy."16 Tomasy, zay antsôvigny Didymo, dia nivaolagna tamin'ny reo mpianatra nagnanjao: "Andaiha koa atsika mbô hiaraka maty amin'i Jesôsy."17Koafa havy Jesôsy, hitany fao afa nalevigny aifatra andro tampasagna Lazarosy. 18Aveo Betania afa marikitry Jerosalema, eo amin'ny dimy ambin'ny fôlo stadio eo no ailagnailagna.19Maro reo Jiosy havy tao amin'i Marta ndraiky Maria, mbô hampahery zareo nohon'ny fahafataisan'ny anadahin-jareo.20Aveo, Marta, koafa naharegny fao tonga Jesôsy, nandaiha nitsaina Azy, fao Maria ndraiky nidôko tan-tragno21Dia nivaolagna tamin'i Jesôsy Marta: "Tompo, raha teo Anao, tsy maty ny anadahiko.22Naifa na dia zeo aby, haiky fao na ino na ino angatahinao amin-Jagnahary, hamaizany Anao zany."23 Hoizy Jesôsy taminazy: "Ny anadahinao hitsangan-ko velogno indraiky."24Marta nivaolagna taminazy nagnanjao: "Haiky fao hitsangagna indraiky izy amin'ny fitsanganan'ny maty amin'ny andro farany." 25Nivaolagna Jesôsy taminazy: "Zaho no fananganagna ny maty ndraiky fiainagna; zay mino Zaho, na dia maty aby izy, ho velogno; 26aveo na zôvy na zôvy velogno kay mino Zaho tsy ho foaty bariky dintany. Mino zany moa anao?"27Hoizy taminazy: "Ia, Tompo, mino zaho fao Anao no Kristy, Zanaka Zagnahary, lehy ho tonga eto amin'ny zao tontolo zao."28 Koafa voavaolagna zany, lôsogno izy nagnantso mangingigny Maria rahavaviny. Hoizy nagnanjao: "Tonga ny Mpagnanatra aveo magnantso anao Izy."29Koafa regnin'i Maria zany, nitsangagna nalaky izy nandaiha aminazy.30Ary Jesôsy tsy mbôl tonga tan-tanagna fao mbôla teo amin'lehy toairagna nitrahaofan'i Marta taminazy faogna.31 Noho zany reo Jiosy, zay niaraka taminazy tantragno ndraiky nampahery azy, koafa nahita Maria nitsangagna nalaky kay lôsogno niboaka, nagnaraka azy, nihevitry fao handaiha hitomoagny akagny amin'ny fasagna izy.32Koafa tonga teo amin'ny toairagna nisy Jesôsy Maria kay nahita Azy, niondriky izy aveo nivaolagna taminazy: "Tompo, raha teto Anao, tsy maty ny anadahiko."33Koafa nahita azy nitomoagny Jesôsy, aveo reo Jiosy niaraka taminazy koa nitomoagny, vônto fagnahinazy ary nihôron-kôditry Izy; 34dia nivaolagna Izy nagnanjao: "Taiza nandivaignanareo azy?" Hoizy reo taminazy: "Tompo, malaky aveo zahavo." 35Nitomoagny Jesôsy.36Aveo hoizy reo Jiosy: "Zahavo ny hagidasan'ny fitiavany i Lazarosy!"37 Fao ny sanany tamin-jareo nivaolagna: "Moa tsy hain'ny tô lalahy tô, zay nampahita ny mason'ny lehy gila, ny magnano zay tsy nahafaty tô lalahy tô koa?"38Aveo ndraiky Jesôsy, raha mbôla vônto fagnahinazy, nandaiha amin'ny fasagna. Ary zohy zany, aveo misy vato mamôgno azy. 39Nivaolagna Jesôsy: "Alao hiala ny vato." Marta, anabavan'i Lazarosy, lehy maty, nivaolagna tamin'i Jesôsy: "Tompo, afa mahimbo ny vatagna nazy raha amizao fotoagna zao, satria aifatr'andro zao no nahafataisany." 40Ary Jesôsy nivaolagna taminazy nagnanjao: "Tsy afa nambarako anao moa fao, raha hino anao, dia ho hitanao ny vogninahitry Zagnahary?"41Dia nalan-jareo ny vato. Jesôsy nanandratra masony kay nivaolagna nagnanjao: "Iada a, misaotra Anao Zaho satria nitandregny Zaho Anao. 42Haiky fao mitandregny Zaho lalandava Anao, fao nohony vahoaka mitsangagna magnôlotro Zaho no nivalagnako zany, mbô hahafahan-jareo mino fao Anao nagniraka Zaho."43Koafa avy nivaolagna zany Izy, nagnantso tamin'ny feo mafy nagnanjao: "Lazarosy, miboaha!" 44Niboaka lehy lalahy maty; nisy fehim-paty ny hongony ndraiky tagnany, aveo voafehy lamba koa ny haigniny. Hoizy Jesôsy tamin-jareo: "Vahao izy aveo ambilao handaiha."45Aveo maro tamin-jareo Jiosy tonga tao amin'i Maria ndraiky nahita ny natan'i Jesôsy, no nino Azy;46 Fao ny sanany tamin-jareo ndraiky lôsogno nandaiha amin'ny Fariseo ary nivaolagna tamin-jareo ny raha nitsabon'i Jesôsy.47Aveo ny laohan'ny mpisôrogno ndraiky reo Fariseo namôry ny Synedriona niaraka aveo nagnanjao: "Ino no tsabontsika? Tô lalahy tô magnano famantaragna maro. 48Raha ambailantsika amizao Izy, hino Azy jiaby; ary hoa avy ny Romana halaka tanagnantsika ndraiky firenenantsika."49Naifa, nisy lalahy araiky tamin-jareo, Kaiafa, zay mpisoronabe tamin'ny zany tagno zany, nagnanjao taminjareo: "Areo tsy mahay na ino na ino.50 Tsy mieritreritry aby areo fao tsara hoanareo raha lalahy araiky no maty hoan'ny ôlogno toy zay ny firenena jiaby no ringagna."51Ary zay nivolagniny tsy natany nihinazy faogna. Fao ndraiky, noho izy mpisorognobe tamin'io tagno io, dia naminagny fao tôkony hofoaty hoan'ny firenena Jesôsy;52 avakeo tsy hoan'ny firenena faogna, fao mbô hampikambagna ny zanaka Zagnahary zay niparitaka koa.53 Kay nanomboko tamin'io andro io nagnano tetiky ny mahakasiky hamonoagna Jesôsy zareo.54Ary Jesôsy tsy nandaiha nibaribary tegny amin'ny reo Jiosy eky, fao niala teo Izy nandaiha amin'ny tany narikitry hefitry hoagny an-tanagna atao hoe Efraima. Ary nibidôko tao Izy ndraiky reo mpianatra. 55Ary afa narikitry ny Paska ny jiosy, ary maro tamin'ny reo tany ambailan'ny tanagna no nakatra tao Jerosalema alaohan'ny Paska mbô hagnadio ny haigninjareo.56Nitady Jesôsy zareo, ary nitsangagna teo amin'ny Tempoly nifampiraisaka nagnanjao: "Ino no eritreretinareo? Hoe tsy ho tonga amin'ny andro firavoravoagna moa Izy?"57 Aveo afa nagnamia beko ny laohan'ny mpisorogno ndraiky Fariseo fao raha misy mahay ny misy Jesôsy, tôkony mivaolagna izy mbô hanambaoran-jareo Azy.Chapter 12
1Enigny andro alaohan'ny Paska, tonga tao Betania Jesôsy, zay nipitrahan'i Lazarosy, lehy afa natsangan'i Jesôsy tamin'ny maty.2 Kay nahandro hanigny aminazy zareo, aveo Marta no nandroso zareo, fao Lazarosy ndraiky agnisan'ny reo niaraka nidôko tamin'i Jesôsy tandatabatra .3 Aveo Maria nalaka mainaka mangitry litatra araiky zay vita tamin'ny narda lafo vanga, kay nagnôsotro hongotro Jesôsy tamin'ny zany, aveo namafa hongony tamin'ny volondaohany. Feno ny hangitry lehy mainaka ny tragno.4Ary Jodasy Iskariota, araiky tamin'ny reo mpianany, zay hamadiky Azy, nagnanjao:5 "Nagnio mainaka io tsy navidy 300 dinaria namiagna ny mijaly?"6 Ary izy mivaolagna zany, tsy nohon'ny fiahiany ny mijaly, fao satria mpangalatra izy: tegny aminazy ny kitapom-baola aveo ho nangalariny zay nakajigny tao.7Jesôsy nagnanjao: "Ambilao izy mbô hitagna zay hanagnany ho amin'ny andro handivaignagna Zaho.8Ho akeo aminareo lalandava ny mijaly, fao Zaho ndraiky Tsy ho eo aminareo lalandava."9Ary nisy vahoaka maro tamin'ny reo Jiosy nahay fao teo Jesôsy, kay nagnatogno zareo, tsy hoan'i Jesôsy zeraiky faogna, fao mbô hahita Lazarosy faogna koa, lehy natsangan'i Jesôsy tamin'ny maty. 10Reo laohan'ny mpisôrogno nitetiky niaraka mbô hahafahan-jareo manosiky Lazarosy amin'ny fahafataisagna faogna koa; 11Satria noho Izy no nahatonga ny ankamaroan'reo Jiosy andaiha aveo nino Jesôsy.12Ny amaraigny vahoaka maro no havy tamin'ny andro firavoravoagna. Koafa regnin-jare fao hoavy Jerosalema Jesôsy,13 nalalaka sampan-drofia zareo aveo niboaka kay nagnantianty Azy tamin'ny antso mafy nagnanjao: "Hosana! Sambatra lehy avy amin'ny agnaragna Tompo, lehy mpanjakan'ny Israely."14Aveo Jesôsy nahita zana-boriky araiky kay nantotry tamboninazy; 15araka ny voasaoratra magnanjao: "Aza ambory, zanakavavin'ny Ziona; zahavo, tô avy ny Mpanjakanareo, zay midôko eo ambon'ny zana-boriky."16Tsy nahazo reo raha reo mpianatra nazy tamin'ny voalaohany; fao koafa namiam-bogninahitry Jesôsy, dia tsaroan-jareo fao voasaoratra mahakasiky Azy reo raha reo aveo afa natan-jareo taminazy zany.17Ary reo vahoaka niaraka taminazy tamin'ny nagnantsaovany Lazarosy hiboaka ny fasagna ndraiky nananganagna azy tamin'ny maty dia samy nitsangagna antomoa aby.18 Noho zany antony zany faogna koa no nahatonga vahoaka hagnantianty Azy, satria regnin-jareo fao nagnano zany famantaragna zany Izy. 19Reo Farise noho zany nifampikoragna nagnanjao: "Zahavo, tsy afaka magnano na ino na ino areo; tô, magnaraka Azy izao tontolo zao."20Aveo nisy Grika vitsivitsy tamin-jreo zay nakatra hidaira akagny amin'ny firavoravoagna. 21Nandaiha amin'i Filipo zareo, zay avy akagny Betsaida akagny Galilia, aveo nagnontany azy: "Tompoko, mbô tehahita Jesôsy zahay."22 Dia lôsogno Filipo kay nivaolagna tamin'i Andrea; lôsogno Andrea niaraka tamin'i Filipo, avakeo nivaolagna Tamin'i Jesôsy zareo.23Jesôsy namaly zareo kay nagnanjao: "Afa tonga ny fotoagna hagnamaizagna vogninahitry ny Zanak'Ôlogno.24 Volagniky marigny aminareo, marigny tatôbe, fao raha tsy latsaka amin'ny tany ny voam-bary kay maty, dia midôko amin'ny haigniny zeraiky zany; fao raha maty zany, dia hamoa fôntry.25Zay tia fiaignagna dia hagnary zany; fao zay malaigny fiainagna aketo amin'ny zao tontolo zao ndraiky dia hitagna zany hoa akagny amin'ny fiainagna bariky dintany.26 Raha misy manompo Zaho, aoka izy hagnaraka Zaho; aveo zay hidaohako, dia ao faogna koa no hibidaohany mpanompoko. Raha misy mpanompo Zaho, dia hagnamia vogninahitry azy Iada.27Zeo mangorohoro ny fagnahinaha ary ino mo tôkony ho volagniky? 'Iada a, avaoty amin'tô fotoagna tô Zaho?' Naifa noho zany antony zany no nahatongavako amin'zao fotoagna zao.28Iada a, hankalazay ny agnaragnao." Aveo nisy feo nafy avy akagny an-dangitry nagnanja: "Afa nankalazaiko zany ary mbôla ho hankalazaiko indraiky." 29Ary reo vahoaka nitsangagna teo ndraiky naharegny zany dia nivaolagna fao nisy korogno teo. Ny sanany nivaolagna: "Nisy anjely nikoragna taminazy."30Jesôsy namaly aveo nivaolagna nagnanjao: "Zany feo zany tsy tonga hoanaha, fao hoanareo.31Tonga zao ny fitsaragna izao tontolo zaoa: Aveo ho roahigny ny mpanapaka zao tontolo zao.32Koafa hasandratra hiala amin'ny tany Zaho, hitagno tsiaraikiaraiky hagnaraka Zaho." 33Nivaolagna zany mbô hagnaboahagna hoe karazagna fahafataisagna hotra nino no hafataisany.34Reo vahoaka namaly Azy nagnanjao: "Regninay tamin'ny lalàgna fao Kristy hijanogno bariky dintany. Akôry no hafahanao mivaolagna magnanjao: 'Ny Zanak'ôlogno tsy maintsy hasandratra'? Zôvy zany Zanak'Ôlogno zany?" 35Aveo Jesôsy nivaolagna zareo: "Ny hazavagna mbôla hiaraka aminareo agnatiny ny fotoagna fohy. Mandihiana dieny mbôla managna hazavagna, mbô tsy hafahan'ny hizigny alaohak areo. Zay mandaiha amin'ny hizigny tsy mahay làlagna mboany.36 Raha mbôla managna hazavagna areo, minoa zany mbô ho zanakin'ny hazavagna areo." Jesôsy nivaolagna reo raha reo ary avakeo tsy hita ary nilaifa zareo.37Na dia nitsabo famantaragna maro teo agnatraihan-jareo aby Jesôsy, tsy ninon-jareo 38mbô ho tantairaka ny vaolagna Isaia mpagnazary, zay nivaolagna nagnanjao: "Tompo, zôvy no nino ny tatitray, aveo zôvy no nampisehoagna ny sandrin'ny Tompo?"39Noho zany antony zany tsy nino zareo, araka ny nivolagnin' Isaia faogna magnanjao:40"Nijambainy ny masonareo, avakeo nihamafisigny ny fôn-jareo; mifanohitry amin'ny zareo dia tehita amin'ny masonjareo ary hahazo amin'ny fôn-jareo, kay hitodiky, aveo Zaho hampahivagna zareo."41Isaia nivaolagna reo raha reo satria hitany ny vogninahitr'i Jesôsy kay nikoragna mahakasiky Azy. 42Naifa na zany aby, maro tamin'ny reo mpanapaka no nino Jesôsy; fao noho reo Fariseo, tsy niaiky zany zareo mbô tsy ho voasakagna ho ao amin'ny Synagoga. 43Taigna tian-jareo ny fideragna avy amin'nôlogno noho ny fiederagna avy amin-jagnahary.44Jesôsy nagnantso mafy kay nivaolagna nagnanjao: "Zay araiky mino Zaho, aza mino Zaho zeraiky fao koa Izy zay nagniraka Zaho, 45ary zay araiky mahita Zaho dia mahita Azy zay nagniraka Zaho.46Zaho gaga hotra ny hazavagna teto amin'izao tontolo zao, mbô tsy hitoaitra ao agnaty hizigny zay mino Zaho. 47Raha misy magnaboaka ny haigniky naifa tsy mitandrigny zany, dia tsy hitsara azy Zaho; Satria Zaho tsy tonga hitsara izao tontolo zao, fao hagnavotro zao tontolo zao.48Zay tsy magneky Zaho ndraiky tsy malaka vaolagna naha, dia managna araiky zay mitsara azy. Lehy vaolagna zay nivolagniky no hitsara azy amin'ny andro farany.49 Fao Zaho tsy mivaolagna hoanaya, fao lehy Iada zay nagniraka Zaho, zay nagnamia Zaho ny didy amin'ny zay ho ambara ndraiky ho volagnigny.50 Haiky fao ny didy dia fiainagna bariky dintany, koa zay ambarako_dia ambarako araka zay nivolagnin'ny Iada taminaha."Chapter 13
1Ary andro talaohan'ny firavoravoagna ny Paska zao. Hain'i Jesôsy fao tonga ny fotoagna hialany eto amin'izao tontolo zao kay handaiha agny amin'ny Iada. Koafa nankatia mpiara-dia taminazy teto amin'izao tontolo zao Izy, dia nitia zareo zisiky tamin'ny farany.2Avakeo ny devoly afa nagnambaila zao tao antsaignin'i Jodasy Iskariota zanak'i Simona, ny hamadihagna Jesôsy.3Izy dia nahay fao ny raha jiaby afa napaitraka ny Iada teo ampelatagnany avakeo Izy avy amin-Jagnahary aveo himpôdy akagny amin-Jagnahary. 4Nitsangagna Izy tam-pihinanagna aveo nangala ny ankanjoanazy ambailany. Avake Izy nangala lambany avakeo nisalotra zany.5 Aveo nadraraka rano tagnaty seho Izy dia nanomboka nanasa hongotro reo mpianatra avakeo namafa azy reo tamin'ny lehy lamba nisalorany.6Nagnatogno Simeona Petera Izy, ary hoizy Petera taminazy: Tompo, hanasa hongotroanaha moa Anao?7 Jesôsy namaly ave nivaolagna taminazy nagnanjao: "Zay tsaboky tsy ho azonao zeo ny heviny, fao ho azonao faogna zany akagny afara." 8Hoizy Petera taminazy: "Tsy hanasa hongotro naha velively Anao." Jesôsy namaly azy nagnanjao: "Raha tsy manasa hongotroa Zaho, tsy managna anjara ato aminaha anao." 9Hoizy Simona Petera taminazy: "Tompo, aza ny hongotro faogna no sasagna, fao tagnanaha ndraiky laohanaha faogna koa."10Hoizy Jesôsy taminazy: "Zay afa madio dia tsy mila zany, afa tsy ny manasa tongony faogna, fao izy afa madio tantairaka; anao madio, fao tsy jiaby naifa."11 (Satria afa hain'i Jesôsy hoe zôvy lehy hamadiky Azy; zany no antony nivolagnany nagnanjao: "Tsy areo jiaby no madio.")12Kay koafa avy nanasa hongotro zareo Jesôsy ndraiky nalaka reo lambanazy kay nipaitraka indraimandeha, hoizy tamin-jareo: "Hainao moa ny nitsaboky areo? 13Antsôvinareo Zaho hoe 'mpampianatra' ndraiky 'Tompo', aveo marigny ny voalazanareo, satria zany tatôbe Zaho. 14Naifa raha Zaho, salakady Tompo no mpampianatra, no nanasa ny hongotro areo, areo fao koa tôkony hifanasa hongotro areo. 15Satria afa nagnamia aohatra areo Zaho kay mbô toôkony hagnano taokagna zay nitsaboky hoanareo faogna koa areo.16Volagniky aminareo, marigny, taigna marigny, fao ny mpanompo dia tsy taigna gaida noho ny Tompony; na koa ny mpitondra hafatra dia tsy taigna gaida noho lehy nagniraka azy. 17Raha hainareo reo raha reo, ho tahigny areo raha magnatantairaka zany. 18Tsy areo jiaby no koragniky; haiky reo zay nifidiky_fao zany dia mbô hahatantairaka ny Saoratra Masigny: 'Zay mihinagna môfo naha dia nanandratra ny vôdi-tongony hamadiky Zaho.'19Volagniky aminareo zao zany alaohan'ny hitrangany mbô koafa mitranga zany, mety hino areo fao Zaho no Izy. Volagniky marigny aminareo, taigna marigny,20 fao zay mandray zay nirahiky, dia mandray Zaho, aveo zay mandray Zaho dia mandray Azy zay nagniraka Zaho."21Koafa nivaolagna zany Jesôsy, dia nangôrohôro fagnahinazy. Nagnambara Izy aveo nivaolagna nagnanjao: "Volagniky aminareo, marigny, taigna marigny fao hoisy araiky aminareo hamadiky Zaho." 22Nifampizahazaha reo mpianatra, nagnontany taigna hoe zôvy zany no nambarany zany.23Nisy araiky tamin-jareo mpianany, zay tian'i Jesôsy, nibidôko tamin'ny latabatra ambadik'i Jesôsy.24 Nagnatogno mpianatra io Simona Petera aveo nivaolagna nagnanjao: "Agnintania Azy hoe zôvy zany koragninao zany."25 Kay nimpôdy niankigny tamin'i Jesôsy izy aveo nivaolagna taminazy nagnanjao: "Tompo, zôvy zany?"26Avakeo Jesôsy namaly: "Lehy araiky zay handonako ndraiky hamiako tô môfo tô zany." Kay koafa nolomany ny môfo, dia namaizany Jodasy zanak'i Simona Iskariota zany. 27Aveo tafaran'ny môfo, dia niditry taminazay Satana, kay hoizy Jesôsy taminazy: "Zay atanao atôvo malaky zany."28Tamin'ny zay reo jiaby tan-databatra tsisy nahay ny antony nivolagnan'i Jesôsy azy zany. 29Ny sasany nieritreritry hoe, Satria Jodasy nitagna kitampom-bola, no nivolagnan'i Jesôsy taminazy hoe: "Vidio ny raha jiaby ilaintsika amin'ny andro firavoravoagna, "na hoe tôkony hagnamia raha hoan'ny mijaly izy. 30Raha vao avy nandray môfo Jodasy, dia lôsogno niboaka samby teo. Haligny ny andro tamin'ny zay.31Koafa lôsogno Jodasy, hoizy Jesôsy nagnanjao: "Zeo dia amiam-bogninahitry ny Zanak'ôlogno, aveo Zagnahary dia amiam-bogninahitry ao aminazy. 32Zagnahary hagnamia vogninahitry Azy ao amin'ny haigniy, avakeo Izy hagnamia vogninahitry Azy samby eo.33Oa zaza madiniky, fotoagna hely tavaila no hiarahako aminareo. Hitady Zaho areo, avakeo araka zay nivolagniky tamin'ny Jiosy nagnanjao: 'Zay homboako, tsy azonareo himboagna.' Ary koragniky aminareo koa zany amizeo.34Didy vava no amiako areo, biaka hifankatiavanareo; taokagna ny nitiavako areo, no tôkony hifankatiavanareo faogna koa. 35Amin'ny zany no hahaizan'ny jiaby fao mpianatranaha areo, raha mifankatia areo."36Hoizy Simona Petera taminazy: "Tompo, fao andaiha aiza moa Anao?" Namaly Jesôsy: "Zay himboako, tsy afaka hagnarahanareo Zaho zao, fao hagnaraka areo akagny afara." 37Dia hoizy Petera taminazy: "Tompo, nagnino zaho tsy afaka magnaraka Anao zao? Hafoko ho Anao ny aigninaha." 38Dia namaly Jesôsy nagnanjao: "Hafonao hoanaha moa ny aigninao? Volagniky aminao, marigny, marigny tatô'be, fao mbôla tsy hagneno aby ny akôho dia afa tsy hagneky Zaho in-telo anao."Chapter 14
1"Aza ambaila hangôrohôro fonareo. Minoa Zagnahary areo, dia minoa Zaho koa.2 Misy efitry maro antragnon'ny Iadako. Izy koa tsy zany, afa nivaolagna taminareo Zaho, fao hagnomagna toairagna hoanareo.3Raha handaiha Zaho ary hagnomagna toairagna hoanareo, dia himpôdy ndremandaiha Zaho avakeo halaka areo akato Aminaha, kay zay misy Zahao hoisy areo koa.4Areo mahay zay himboako."5 Hoizy Tomasy tamin-Jesôsy: "Tompo, tsy hainay zay himboanao, akôry no hahaizanay ny lalagna? 6Hoizy Jesôsy taminazy: "Zaho no lalagna, fahamarigngna, aveo fiainagna; tsisy magnatogno Iada raha tsy amin'ny alalako.7 Raha nahay Zaho areo, tôkony ho nahay Iadako koa. Manomoko zao dia hainareo Izy ary afa hitanareo."8Hoizy Filipo tamin'i Jesôsy nagnanjao: "Tompo, aboaho zahay ny Iada, dia ampy zahay zany."9 Hoizy Jesôsy taminazy: "Afa letry haila no niarahiko taminareo mbôla tsy hainareo faogna Zaho, Filipo? Na zôvy na zôvy nahita Zaho dia nahita ny Iadako. Koa nagnino no hivolagnanao magnanjao: 'Aboaho zahay ny Iada'?10Tsy mino moa areo fao amin'ny Iada Zaho aveo Iada akato aminaha? Reo vaolagna zay nivolagniky aminareo dia tsy ambarako avy amin'ny fahefako zeraiky, fao lehy Iada velogno akato agnatiko no magnano ny asa.11Minoa Zaho fao Zaho ao amin'ny Iadaa, aveo Iada akato aminaha, raha tsy zany minoa noho reo asa manaokagna.12Koragniky aminareo, marigny, dia marigny tatôbe, zay mino Zaho hagnano ny asa zay tsaboky, aveo hagnano asa gaida mihoatra noho regny izy satria hoagny amin'ny Iada Zaho.13Na ino na ino angatahinareo amin'ny Agnarako, dia tantirahiky zany mbô hagnomaizam-bogninahitry Iada ao amin'ny Zanaka.14 Raha mangataka raha amin'ny agnarako areo, dia ho tantirahiko zany.15Raha tia Zaho areo, hitandrigny reo didinaha, 16aveo hivavaka amin'ny Iada Zaho, hagnamia areo Mpampahery hafa Izy mbô ho akeo aminareo lalandava izy_17 ny Fagnahin'ny fahamarignagna. Tsy afaka malaka Azy zao tontolo zao satria tsy mahita!na mahay Azy. Fao areo ndraiky mahay Azy, satria mibidôko miaraka aminareo Izy aveo ho agnatinareo.18Tsy hagnambaila areo ho manaokagna Zaho; mbôla himpôdy atoy aminareo Zaho.19Afaka fotoagna fohy, tsy hahita Zaho eky zao tontolo zao, fao areo mahita Zaho. Satria velogno Zaho, velogno faogna koa areo.20 Aveo amin'zay andro zay ho hainareo fao ao amin'ny Iada Zaho, vaveo areo akato Aminaha, ary Zaho akao aminareo.21Zay managna reo didinaha kay mitandrigny regny dia izy lehy tia Zaho dia hitiaviko koa, aveo Zaho hitia azy ndraiky hiboaka aminareo." 22Hoizy Jodasy (Tsy Iskariota) tamin'i Jesôsy: "Tompo, nagnino anao no hiboaka aminay fao tsy amin'ny zao tontolo zao?"23Jesôsy namaly ary nivaolagna taminazy nagnanjao: "Raha misy ôlogno tia Zaho, dia hitandrigny vaolagna naha izy. Hitia azy Iadako, ary hoavy aminazy Zahay aveo hagnamboatra fitoairagnay miaraka aminazy. 24Fao zay tsy tia Zaho dia tsy mitandrigny ny vaolagna naha. Ny vaolagna zay regninareo dia tsy avy aminaha fao avy amin'ny Iadako zay nagniraka Zaho.25Afa nivolagniky taminareo reo raha reo, raha mbôla nijanogno niaraka taminareo Zaho. 26Naifa, lehy Mpampahery_lehy Fagnahy Masigny, zay hirahin'ny Iada amin'ny Agnaragnanaha_izy no hampianatra areo ny raha jiaby nivolagniky taminareo. 27Fiadanagna no ambailako hoanareo; amaizako areo ny fiadanako. Tsy amiako hotran'ny fagnamiazagna zao tontolo zao zany. Aza ambaila hangôrohôro ny fônareo, aveo aza ambory.28Afa regninareo Zaho nivaolagna taminareo nagnanjao: 'Andaiha Zaho, aveo himpôdy akagny aminareo ndremandaiha.' Raha nankatia Zaho areo, tôkony hiravoravo satria handaiha amin'ny Iada Zaho, Satria Iada taigna gaida noho Zaho.29Aveo nivolagniky areo dieny mbôla tsy mitranga zany, biaka hino areo, koafa mitranga zany. 30Tsy hivaolagna maro aminareo eky Zaho, fao hoavy ny mpanapaka zao tontolo zao. Tsy managna fahefagna Aminaha izy, 31fao mbô hahaizan'izao tontolo zao fao tikao ny Iada, dia tsaboky hotra ny nandidian'ny Iada Zaho. Alôhy hitsangagna atsika aveo hiala aketo."Chapter 15
1"Zaho no taigna voaloboko, aveo Iadako no mpamboly.2Alao akato aminaha ny rantsany jiaby zay tsy mamoa voankakazo, aveo rantsanigny ny sampany zay mamokatra mbô hamoa voankakazo maromaro.3Afa madio areo noho lehy hafatra zay nikoragniky taminareo.4 Hotra ny sampany tsy afaka mamokatra voanakazo amin'ny taignany raha tsy mitoaitra ao amin'ny voaloboko zany, dia hotra zany koa areo, raha tsy mitoaitra ao aminaha.5Zaho no voaloboko, areo sampany. Zay mitoaitra akato Aminaha aveo Zaho akao Aminazy, dia mamoa fôntry izy, fao raha tsisy Zaho dia tsy mahaifa na ino na ino areo.6 Raha misy ôlogno tsy mitoaitra Aminaha, dia hoariagna hotra sampany izy aveo halazo, ary zareo mamôry reo sampany avakeo magnary zany akagny amin'ny môtro, avakeo may zareo.7Raha mitoaitra Aminaha areo, aveo raha mitoaitra aminareo reo vaolagna naha, angataho na ino na ino tianareo, dia ho tsabogny aminareo zany.8Ny Iadako amiagna vogninahitry amizao, dia ny hamokaranareo voankakazo maromaro kay ho porofo fao mpianatra naha areo. 9Hotra ny nitiavan'i Iada Zaho, no nitiavako areo. Midaoha akao amin'ny fitiavako.10Raha mitandrigny reo didinaha areo, dia hitoaitra akao amin'ny fitiavako, hotara ny nitandraimako reo didin'ny Iadako ndraiky nitoairako tao amin'ny fitiavany. 11Nivaolagna regny raha regny taminareo Zaho mbô ho akao aminareo ny haravoagnanaha aveo mbô ho feno haravoagna areo.12Zao no didinaha, ny hifankatiavanareo hotra ny nitiavako areo. 13Tsisy manam-pitiavagna gaida mihoatra noho zao, ny manôlotro ny aigninazy hoan'ny reo sakaizany.14Namako areo raha magnano reo raha andidiako areo reo. 15Tsy hangnantso areo hoe mpanompoko eky Zaho, satria ny mpanompo tsy mahay zay tsabon'ny tompony. Nantsôviko hoe namako areo, satria raha jiaby zay regniky tamin'ny Iadako, nambarako areo.16Tsy nifidy Zaho areo, fao Zaho no nifidy areo aveo nanendry areo mbô handaiha ka hamokatra, avakeo mbô tôkony hitoaitra ny vokatarareo. Natao zany biaka na ino na ino angatahinareo amin'ny Iada amin'ny Agnaragnanaha, dia hamiagna areo zany. 17Regny raha regny no andidiako areo biaka hifankatiavanareo.18Raha, malaigny areo izao tontolo zao, hevero fao nalaigny Zaho izy talaohan'ny nankalainy areo. 19Raha avy amin'ny zao tontolo zao areo, dia ho tian'izao tontolo zao hotra azy areo. Fao tsy nihin'ny zao tontolo zao areo aveo nifidiko hiala amin'ny zao tontolo zao, noho zany dia halan'izao tontolo zao areo.20Tsarovy ny vaolagna nikoragniky taminareo nagnanjao: 'Ny mpanompo dia tsy gaida noho ny tompny.' Raha nagnenjiky Zaho zareo, dia hagnejiky areo koa; ary raha nitandrigny vaolagna naha zareo, dia hitandrigny areo koa.21Hagnano reo raha jiaby reo aminareo zareo nohon'ny Agnaragnaha, satria tsy hain-jareo Izy zay nagniraka Zaho.22Raha tsy tonga ndraiky nivaolagna tamin-jareo Zaho, dia tsy nanota zareo, fao zeo tsy afa-miala amin'ny fahotany zareo.23Zay malaigny Zaho dia malaigny Iadako faogna koa.24 Raha tsy nahavita reo asa zay tsy natan'ôlon-kafa teo agnivon-jareo Zaho, dia tsy ho nanan-keloko zareo, fao zeo afa sady hitany no halany Zaho ndraiky Iadako. 25Fao zany mbô hahatantairaka ny vaolagna zay voasoratra ao amin'ny lalàn-jareo magnanjao: 'Malaigny Zaho amin'ny tsisy dikany zareo.'26Koafa avy lehy Mpampahery_zay hirahiky aminareo avy amin'ny Iada, lehy Fagnahiny fahamarinagna, zay miboaka avy amin'ny Iada_dia hagnambara mahakasiky Zaho Izy.27 Areo faogna koa mitsangagna antomoa satria afa niaraka taminaha letry am-piandohagna areo.Chapter 16
1"Nivolagniky taminareo zany raha jiaby zany mbô tsy ho solafaka areo.2Ho roahin-jareo akao amin'ny Synagoga areo. Fao tonga ny andro koafa hihevitry zay jiaby mamono areo fao zareo dia manôlotro raha tsara ho amin-Jagnahary.3Hoatan-jareo zany satria tsy mahay Iada na Haigninaha zareo.4Nikoragniky areo reo raha reo biaka koafa avy ny fotoagnan-jareo dia ho tsaroanareo fao afa nikoragniky taminareo ny momba zareo. Tsy nambarako taminareo reo raha reo tagny am-piandohagna, satria mbôla teo aminareo Zaho.5Fao Zeo hoagny amin'ny lehy nagniraka Zaho Zaho, naifa tsy mbôla nisy nagnontany Zaho areo magnanjao: "Handaiha hoaiza moa Anao?"6 Fao satria nikoragniky taminareo reo raha reo, dia alahelo no nameno ny fônareo. 7Fao koragniky marigny aminareo, taigna tsara hoanareo ny handihianako. Satria raha tsy mandaiha Zaho, tsy ho tonga aminareo ny Mpampahery, fao raha mandaiha Zaho, dia handaifa azy hoaminareo.8Koafa havy izy, hagnaprofo amin'izao tontolo zao ho diso mahakasiky ny fahotagna, ny fahamarinagna, aveo ny mahakasiky ny fitsaragna_ 9momban'ny fahotagna ny mpampahery, satria tsy mino Zaho zareo;10 momban'ny fahamarinagna, satria hôdy akagny amin'ny Iada Zaho, kay tsy ho hitanareo eky; 11ary mombany fitsaragna, satria ny mpanapaka zao tontolo zao dia nitsaraigny.12Managna raha maro hambara aminareo Zaho, fao tsy hoazonareo ny hevitry zany zao. 13Kanaifa, koafa tonga izy, Fagnahin'ny Fahamarinagna, dia hitariky areo hoamin'ny fahamarinagna jiaby, satria tsy hivaolagna avy amin'ny Haigniky izy. Fao hivaolagna zay raha regniny izy, aveo hivaolagna aminareo reo raha zay hoavy. 14Hagnamia vogninahitry Zaho izy, satria ny avy aminaha faogna no hambarany aminareo.15Zay jiaby anagnany Iada dia nihinaha. Noho zany, nivaolagna Zaho fao lehy Fagnahy dia halaka amin'zay ninaha aveo hivaolagna zany aminareo.16 Afaka fotoagna fohy dia tsy hahita Zaho eky areo, avakeo afaka fotoagna fohy hafa dia hahita Zaho ndremandeha areo."17Avakeo ny sanany tamin-jareo mpianany nifampiraisaka nagnanjao: "Ino ary zany volagniny atsika zany hoe: 'Afaka fotoagna fohy tsy hahita Zaho eky areo aveo afaka fotoagna fohy hafa hahita Zaho ndremandaiha areo,' ndraiky hoeo: 'Satria hoagny amin'ny Iada Zaho'? 18Noho zany hoizy zareo: "Ino ary zany koragniny zany hoe: 'afaka fotoagna fohy'? Tsy hainay ny tiany volagniny."19Hitan'i Jesôsy fao te-hagnontany Azy zareo, dia hoizy Izy tamin-jareo nagnanjao: "Zaho moa no agnontanianareo taigna, dia ny tiko hambara amin'ny fivolagnagna hoe: 'Fotoagna fohy ndraiky tsy hahita Zaho eky areo, ave afaka fotoagna fohy indraiky naifa hahita Zaho areo'? 20Volagniky aminareo, marigny, marigny tatôbe, fao hitomoagny areo aveo hitaraigny, fao izao tontolo zao ndraiky hiravo. Ho feno alahelo areo, naifa hanjary haravoagna alahelonare zany.21Koafa mihetsi-jaza ny vaiavy araiky dia malahelo satria tonga ny fotoagnany, fao koafa tairaka ndraiky lehy zaza dia tsy tsaroany eky ny alahelony nohon'ny haravoagna fao nisy zaza tairaka akeo amin'izao tontolo zao.22Kay malahelo areo amizeo, naifa Zaho mbôla hitratro aminareo ndremandaiha, aveo ho ravo ny fônareo, ary tsy hoisy hangala zany haravoagnanareo zany aminareo. 23Amin'ny zany andro zany dia tsy hangataka aminaha na ino na ino areo. Volagniky aminareo, marigny, marigny tatôbe, raha mangataka na ino na ino amin'ny Iada amin'ny Agnarako areo, dia hamaizany areo zany.24Zisiky aminzeo naifa tsy mbôla nangataka na ino na ino tamin'ny agnarako areo. Mangataha dia hamiagna areo mbô ho feno ny haravoagnanareo.25Afa nikoragniky taminareo tamin'ny aohatra raha reo, fao avy ny fotoagna koafa tsy hikoragna aminareo amin'ny fagnoragna eky Zaho, fao ndraiky hivaolagna aminareo mazava ny mahakasiky Iada.26Amin'ny zany andro zany hangataka amin'ny agnarako areo aveo tsy hivaolagna areo Zaho hoe hivavaka amin'ny Iada hoanareo,27fao Iada lasite no tia areo satria nankatia Zaho areo aveo nino fao avy akagny amin'ny Iada Zaho.28Avy amin'ny Iada Zaho, ary tonga teto an-tany. Fao hiala izao tontolo zao Zaho aveo hoagny amin'ny Iada."29Hozy mpianatra nazy taminazy: "Zahavo zeo Anao mivaolagna mazava tsara aveo tsy mampiasa aohatra.30Hainay zeo fao mahay ny raha jiaby Anao, avakeo tsisy tianao hagnapaitraka fagnontaniagna aminao. Noho zany, mino zahay fao avy amin-Jagnahary Anao." 31Namaly zareo Jesôsy nagnanjao: "Mino amizay moa areo?32Tô, havy zao ny fotoagna, ia, havy tatôbe, koafa hipaitraka areo, ny tsiaraikiaraiky samy akagny amin'ny tragnony manaokagna aby, dia hambailanareo araiky Zaho. Naifa tsy araiky Zaho satria miaraka aminaha Iada. 33Afa nikoragniky tainareo raha reo mbô hanagna fiadanagna akato Aminaha areo. Managna olagna areo aketo amin'ny zao tontolo zao, naifa mahiraiza: afa nandresy izao tontolo zao Zaho."Chapter 17
1Koafa avy nivaolagna raha reo Jesôsy, nanandratra masoanazy hoamin'ny langitry Izy kay nagnanjao: "Iada a, havy ny fotoagna, mankalazào ny Zanakao mbô hankalazan'ny Zanakao Anao_2hotra ny nagnomaizanao Azy fahefagna ambonin'ny nôfo jiaby mbô hagnamaizany fiainagna bariky dintany Azy.3Zao no fiainagna bariky dintany: dia ny ahaizan-jareo Anao, lehy Zagnahary taokagna sady marigny, aveo Izy zay nirahinao, dia Jesôsy Kristy. 4Nankalaza Anao Zaho teto an-tany. Afa vitako ny asa zay namaizanao Zaho ho tsaboky. 5Zeo, Iada, hankalazay miaraka amin'ny haigninao Zaho amin'ny vogninahitry zay nanagnako niaraka taminao talaohany nahariagna izao tontolo zao.6Nagnambara Aagnaragnao tamin'ny ôlogno zay namaizanao Zaho avy amin'ny zao tontolo zao Zaho. Anao ziregny, avakeo namaizanao Zaho, ary nitandraimany ny vaolagna nao.7Zeo hainjareo fao ny raha jiaby zay namianao Zaho dia avy aminao,8 satria namaizako zareo jiaby ny vaolagna zay namaizanao Zaho. Niraisin-jareo regny avakeo hainy marigny tatôbe fao avy taminao Zaho, aveo nino zareo fao Anao nagniraka Zaho.9Mivavaka hoazy reo Zaho. Tsy mivavaka hoan'izao tontolo zao Zaho fao hoan'reo zay namaizanao Zaho, noho zareo nihinao.10 Ny Raha jiaby zay ninaha dia nihinao, aveo zay nihinao dia nihinaha, avakeo hankalazaigny amin'regny Zaho.11Tsy amin'izao tontolo zao eky Zaho, fao reo ôlogno reo aketo amin'izao tontolo zao, avakeo magnatogno areo Zaho. Iada Masigny o, tano amin'ny agnaragnao zay namaizanao Zaho zareo mbô hikambagna hoaraiky, mitôvy maha araiky Atsika.12Raha mbôla teo amin-jareo Zaho, nitagna zareo tamin'ny agnaragnao, zay namianao Zaho. Niaro zareo Zaho, aveo tsisy very na dia araiky aby, koa tsy raha ny zanaky ny fahaviraizagna faogna, mbô ho tantairaka ny Saoratra Masigny. 13Aveo hoagny aminao Zaho, fao mivaolagna raha reo amin'ny zao tontolo zao Zaho mbô hahatantairaka ny haravoako amin-jareo.14Afa namaizako zareo ny vaolagnao, avakeo nankahalain'ny izao tontolo zao zareo satria tsy avy amin'ny zao tonolo zao.15Zaho tsy mangataka Aminao hangalanao zareo amin'ny zao tontolo zao, fao ny mbô hiarovanao zareo amin'ny lehy ratsy.16 Zareo tsy nihin' izao tontolo zao hotra Zaho tsy nihin'izao tontolo zao.17Hamasigno amin'ny fahamarignagnao zareo. Fao ny vaolagnao no fahamarignagna.18Karaha nagnirahanao Zaho hoamin'izao tontolo zao, no nagirahako zareo hoagny amin'izao tontolo zao faogna koa. 19Fao nohon'ny fitiavako zareo no nagnamasignako ny haigninaha, mbô hagnamasinagna ny haignin-jareo amin'ny fahamarignagna faogna koa.20Zaho tsy mivavaka hoan-jareo faogna, fao hoan-jareo zay hino Zaho amin'ny alalan'ny vaolagna njareo koa 21mbô hoaraiky izy jiaby, hotra anao, Iada, akato Aminaha, aveo Zaho akao Aminao. Mivavaka Zaho mbô ho amintsika faogna koa zareo mbô hinon'izao tontolo zao fao nagniraka Zaho Anao.22Ny vogninahitry zay namianao Zaho, namaizako zareo, mbô ho araiky zareo, hotra ny maha araiky atsika.23Zaho akao amin-jareo, aveo Anao akato Aminaha_kay ho taigna araiky tatôbe zareo, mbô ho hain'izao tontolo zao fao nagniraka Zaho Anao, aveo nankatia zareo hotra ny nitiavanao Zaho.24Iada a, Reo zay namaizanao Zaho dia tiako hiaraka aminaha na aiza na aiza misy Zaho, Aveo hahita voginahitry naha, lehy vogninahitry zay namaizanao Zaho satria nankatia Zaho Anao talaohan'ny nahajariagna izao tontolo zao.25Iada marigny, tsy nahay Anao izao tontolo zao, fao Zaho mahay Anao; avakeo zareo mahay fao nagniraka Zaho Anao. 26Nambarako zareo agnaragnao, aveo mbôla ho ambarako zany mbô ho akao amin-jareo ny fitiavagna zay nitiavanao Zaho, aveo Zaho ho amin-jareo."Chapter 18
1Tafaran'ny nivolagnin'i Jesôsy reo vaolagna reo, dia niboaka niaraka tamin-jareo mpianany Izy hoegny andaforô egny amin'ny laohasan-driakan'i kidrona zay nisy saha nidirany ndraiky reo mpianany. 2Aveo Jodasy, zay hamadiky Jesôsy, nahay toairagna koa, satria nandaiha mazagna tagny Jesôsy ndraiky reo mpianany. 3Avakeo Jodasy, nitariky reo vôndrogno miaramila ndraiky reo mpiandry raharaha sasany avy amin'ny reo laohan'ny mpisôrogno ndraiky reo Fariseo, nandaiha tagny niaraka tamin'ny fanilo, fanala aveo fitaovam-piadiagna.4Aveo Jesôsy zay afa nahay raha jiaby hitranga Aminazy, nandaiha talaoha avakeo nagnontany zareo nagnanjao: "Zôvy no tadiavinareo?"5 Namaly Azy zareo: "Jesôsy avy akagny Nazaraita." Ary hoizy Jesôsy tamin-jareo: "Zaho no Izy." Jodasy, zay namadiky Azy, nitsangagna niaraka tamin-jareo miaramila faogna koa.6Koafa nivaolagna tamin-jareo Izy hoe: "Zaho no Izy," dia nihemotro zareo kay lavo tamin'ny tany.7Avakeo indraiky nagnontany zareo Izy nagnanjao: "Zôvy zahavanareo?" Ary nivaolagna zare: "Jesôsy avy akagny Nazareta."8Jesôsy namaly nagnanjao: "Nivaolagna areo Zaho fao Zaho no Izy. Noho zany raha mitady Zaho areo, ambilao reto handaiha."9Zany mbô hahatantairaka vaolagna nikoragniny nagnanjao: "Amin-jareo zay namaizanao Zaho, tsy nasiako very na araiky aby."10Avakeo Simona Petera, zay nanagna meso, nagnaboaka zany aveo namely lehy mpanompony mpisoronabe kay nanapaka sôfiny ankahery. Ary Malko no agnaran'lehy mpanompo.11Hoizy Jesôsy tamin'i Petera: "Ampodiano akao amin'ny tragnony ny mesonao. Tsy tôkony higiaka ny kapoaka zay namaizan'ny Iada Zaho moa Zaho?"12Noho zany reo vôndrogno miaramila ndraiky Kapiteny, avakeo reo mpiambigny raharahan'ny reo Jiosy, nanambotro Jesôsy aveo nanady Azy.13Nindesin-jareo tagny amin'i Anasy Izy alaoha, satria izy rafaozan-dahin'i Kaiafa, zay mpisoronabe taminy tagno io.14Aveo Kaiafa nagnamia hevitry reo Jiosy fao tsara raha misy ôlogno araiky maty ho an'ny vahoaka.15Nagnaraka Jesôsy Simona Petera, aveo nagnano hotra zany faogna koa ny mpianatra araiky hafa. Ary hain'lehy mpisoronabe mpianatra zany, avakeo niditry niaraka tamin'i Jesôsy tao amin'ny Kianjany mpisoronabe izy; 16fao Petera nitsangagna tambailan'ny tamiagna. Noho zany lehy mpianatra hafa, zay hainy ny mpisoronabe, niboaka kay nikoragna tamin'ny lehy mpanompo vavy zay mpiambigny tamiagna aveo ninday Petera niditry.17Avakeo lehy mpanompo vavy, mpiambigny tamiagna nivaolagna tamin'i Petera nagnanjao: "Anao koa moa tsy araiky amin'ny mpianatra lalahy io?" Hoizy izy: "Tsizy zaho." 18Aveo nitsangagna teo reo mpanompo ndraiky reo mpiambigny raharaha, ary nandrehitry môtro zareo, satria nanintsy ny andro; kay nagnafana haignin-jareo. Petera koa niaraka tamin-jareo, nitsangagna teo aveo nagnafana ny haigniny.19Nagnontany Jesôsy mahakasiky reo mpianany ndraiky fampianarany ny mpisoronabe. 20Jesôsy namaly azy nagnanjao: "Nivaolagna ampahibemaso tamin'izao tontolo zao Zaho. Nampianatra lalandava tao amin'ny Synagoga ndraiky tao amin'ny Tempoly Zaho zay nifampitaonan'ny Jiosy jiaby. Tsisy nivolagniky tamin'ny takogno. 21Nagnino anao no nagnontany Zaho? Agnintania reo zay nitandregny Zaho mahakasiky zay nikoragniky. Zahavo, reo ôlogno reo dia mahay zay nikoragniky."22Koafa avy nivaolagna zany Jesôsy dia nisy araiky tamin'ny reo mpiambigny raharaha nitsangagna teo nanifaka tehimaigny Jesôsy aveo nivaolagna nagnanjao: "Zany moa no fomba hamalianao ny mpisôrogno?" 23Jesôsy namaly azy: "Raha nivaolagna raha diso Zaho, mitsagnana antomoa amin'zany diso zany, fao raha marigny nagnino anao manaifaka Zaho?" 24Avakeo Anasy nadaifa Azy voatady nandaiha amin'i Kaiafa mpisôrogno.25Ary nitsangagna Petera kay nagnafana haigniny. Avakeo hoizy reo ôlogno taminazy: "Anao koa moa tsy araiky amin'ireo mpagnazary?" Tsy nagneky zany izy avakeo nivaolagna nagnanjao: "Tsizy Zaho." 26Araiky tamin'ny reo mpanompon'ny mpisoragnabe, zay havan'ny lehy zay nalan'i Petera sôfigny, niavaolagna nagnanjao: "Tsy hitako niaraka taminazy tao amin'ny saha moa anao?" 27Avakeo Petera tsy nagneky indraiky, aveo samby teo nagneno akôho.28Aveo nindesindreo avy to amin'i Kaifa hoagny agnaty rova Jesôsy. Mbôla taigna maraigny ny andro tamin'zany, aveo zareo tsy niditry tagnaty rova mbô tsy ho voaloto fao afa hihinagna Paska.29Kay niboaka teo amin-jareo Pilato kay nivaolagna nagnanjao: "Ino ny fiampagnagna entinareo manohitry tô lalahy tô?" 30Namaly zareo aveo nivaolagna taminazy nagnanjao: "Raha tsy mpagnano ratsy lalahy io, tsy natôlotray anao."31Noho zany Pilato nivaolagna taminjareo nagnanjao: "Ndesinareo Izy, ary tsarao araka ny lalagnanareo. Hoizy reo Jiosy taminazy nagnanjao: "Tsy ara-dàlagna aminay ny manôlotro ôlogno hofoaty." 32Nivaolagna zany zareo mbô hahatantairaka vaolagna Jesôsy zay nivolagniny hotra hivaolagna hoe karazagna fahafataisagna hotry ny ino no hahafataisany.33Aveo niditry tagnaty rova ndraiky Pilato kay nagnantso Jesôsy avakeo nivaolagna: "Anao moa mpanjakan'ny Jiosy?" 34Jesôsy namaly: "Magnontany avy amin'ny haigninao moa anao, sa nisy hafa nivaolagna anao mahakasiky Zaho?" 35Pilato namaly: "Tsy jiosy zaho, sa tsy zany?" Ny vahoakanao ndraiky reo laohan'ny mpisôrogno no nanôlotro Anao taminaha. Ino moa natanao?''36Jesôsy namaly: "Ny fanjakako tsy avy aketo amin'izao tontolo zao. Fao raha mbô akao agnatin'izao tontolo zao ny fanjakako , dia hiady reo mpanompoko mbô tsy hanoloragna Zaho amin'ireo Jiosy. Fao zeo ny fanjakako tsy avy aketo." 37Avakeo Pilato nivaolagna nagnanjao: "Mpanjaka moa zany Anao?" Jesôsy namaly: "Voalazanao fao mpanjaka Zaho. Fao hoamin'ny zany tanjogno zany no nahatirahako, aveo hoamin'ny zany antony zany no niaviako aketo amin'ny zao tontlo zao, mbô hitsagnagna antomoa amin'ny fahamarignagna. Reo jiaby zay an'ny fahamarignagna dia mitandregny feonaha."38Pilato nivaolagna taminazy nagnanjao: "Ino no atao hoe marigny?" Koafa avy nivaolagna zany izy, niboaka indraiky aveo nivaolagna tamin-jareo nagnanjao: "Tsy mahita heloko amin'tô lalahy tô zaho. 39Fao areo managna fomba zay hagnahafako ôlogno araiky ho aminareo amin'ny Paska. Noho zany tianareo moa ny hagnahafako aminareo ny mpanjakan'ny Jiosy?" 40Avakeo reo nangaingaiky mafy indraiky zareo aveo nivaolagna nagnanjao: "Tsy lalahy io, fao Barabasy." Ary Barabasy mpangalatra.Chapter 19
1Aveo nentin'i Pilato Jesôsy kay nipipohiny. 2Nandrandragna satroko fatsiky reo miaramila. Napaitraka zareo tamin'ny laohan'i Jesôsy zany aveo nampisikigny lamba vôlomparasy Azy. 3Nagnatogno Azy zareo aveo nivaolagna nagnanjao: "Arahaba, mpanjakan'i Jiosy!" Aveo namboko Azy zareo.4Avakeo niboaka indraiky Pilato kay nivaolagna tamin-jareo nagnanjao: "Tô, ndesiky aminareo aketo ambailany Izy mbô hahaizanareo fao tsy mahita heloko Aminazy zaho."5Kay niboaka Jesôsy, nagnano lehy fehilaoha fatsiky ndraiky lehy lamba vôlomparasy. Hoizy Pilato tamin-ajareo: "Tô, tô lehy lalahy!" 6Koafa hitan'ny laohany mpisôrogno ndraiky ny manambogninahitry Jesôsy, dia nangaiky mafy zareo kay nivaolagna nagnanjao: "Fantsaiho izy, fantsaiho izy!" Hoizy Pilato tamin-jareo: "Alaivonareo Izy avakeo fantsaiho, fao zaho tsy mahita heloko Aminazy."7Namaly azy reo Jiosy: "Managna lalàgna atsika, aveo ny lalàgna tôkony hofoaty Izy satria mitonon-tena ho Zanaka Zagnahary." 8Koafa regnin'i Pilato zany fagnambaragna zany, nahay ambory izy, 9aveo niditry tao amin'ny Lapam-panjakagna ndraimandaiha izy kay nivaolagna tamin'i Jesôsy nagnanjao: "Avaiza ny faviagnanao?" Naifa tsy nagnamia valin-teny azy Jesôsy.10Avakeo Pilato nivaolagna taminazy nagnanjao: "Tsy managna ambara aminaha moa anao? Tsy hainao moa fao managna fahefagna hamôtsotro Anao zaho, ndraiky fahefagna hamantsiky Anao?" 11Namaly Jesôsy: "Tsy managna fahefagna Aminaha anao raha tsy namiagna anao avy akagny ambony zany. Noho zany, izy zay nanolaoragna Zaho taminao dia managna heloko maromaro."12Tamin'ny zany valin-teny zany, dia niaizaka ny hagnafaka Azy Pilato, fao nagaikingaiky mafy reo Jiosy, nagnanjao: "Raha avôtsotroa lalahy io dia tsy naman'i Kaisara anao. Zay jiaby magnano haigniny ho mpanjaka dia manohitry Kaisara." 13Koafa regnin'i Pilato vaolagna reo, dia nindesin-jareo niboaka Jesôsy aveo nantotry teo amin'ny Sezy fitsaragna zay antsôvigny "Lampivato," fao amin'ny vaolagna Hebreo hoe ''Gabato."14Ary tonga ny andro fagnomanagna ny Paska, teo amin'ny fotoagna faha enigny teo. Hoizy Pilato tamin- jareo: "Tô, tô ny mpanjakanareo!'' 15nangaiky mafy zareo nagnanjao: ''Ambilao Izy, ambilao Izy; fantsaiho Izy!'' Hoizy Pilato tamin-jareo: ''Tôkony hamantsiky mpanjakanareo moa zaho?" Namaly reo laohan'ny mpisôrogno nagnanjao: "Tsy managna mpanjaka ankoatran'i Kaisara zahay.'' 16Aveo natôlotr'i Pilato zareo ho fantsaihagna Jesôsy.17Avakeo nalain-jareo Jesôsy, ary nandaifa niboaka izy, nilanja kakazofijaliagna, hoagny amin'lehy toairagna antsôvigny hoe"Toeran'ny Karandaoha," zay amin'ny Hebreo antsôvigny: "Golgota." 18Nifantsaihan-jareo tagny Jesôsy, aveo nisy lalahy aroa hafa niaraka taminazy, araiky isaky ny ilaigny, aveo Jesôsy tagnivony.19Nanaoratra famantaragna faogna koa Pilato avakeo namaitraka zany teo amin'ny kakazo fijaliagna. Zao no voasaoratra teo: JESÔSY AVY AKAGNY NAZARETA, LEHY MPANJAKAN'NY JIOSY. 20Maro tamin'reo Jiosy no namaky zany famantaragna zany satria tsy lavitry tanagna no misy toairagna namatsaihagna Jesôsy. Ilay famantaragna dia nosoratagna tamin'ny hebreo, Latina, ary Grika.21Aveo hoizy laohan'ny mpisôrogno jiosy tamin'i Pilato nagnanjao: "Aza soroatagna hoe: 'Lehy mpanjakan'ny Jiosy,' fao aleo hoe: 'Tô araiky tô nivaolagna hoe: "Zaho no mpanjakan'ny Jiosy."' 22Aveo namaly Pilato nagnanjao: "Zay voasaoratra dia voasaoratra."23Koafa nifantsaihan-jareo miaramila Jesôsy, dia nalain-jareo lambanazy, kay nizarain-jareo aifatra, dia samy managna araiky aby reo; ary lehy ankanjo faogna koa. Ary tsisy vitrana lehy ankanjo, fao tenona araiky faogna. 24Aveo nifampiraisaka zareo nagnanjao: "Aleo tsy rovitintsika tô, fao ndraiky andaiha hilokagna ahitavagna zay mahazo azy." Nitranga zany mbô hahatantairaka ny Saoratra Masigny zay mivaolagna nagnanjao: "Nifampizaran-jareo ny lambanaha aveo nilokaigny ny fitafiako." Zany no nitsabon'ny reo miaramila.25Avakeo nitsangagna teo narikitry kakazo fijaliagnan'i Jesôsy ny nininy, ny rahavavin-dreniny, Maria vadan'i Klopa, aveo Maria Mgdalaina.26Koafa nahita ny nininy ndraiky reo mpianatra zay tiany nitsangagna teo narikitry teo Jesôsy, dia nivaolagna tamin'ny nininy Izy nagnanjao: "Ravehivavy, tô ny zanakao lahy!" 27Aveo hoizy tamin'ny mpianatra: "Tô, ny nininareo!'' Aveo tamin'ny zany fotoagna zany nalain'ny mpianatra hoagny aminazy izy.28Tafaran'zany, koafa nahay fao vita ny raha jiaby kay mbô ho tantairaka ny Saoratra Masigny, dia hoizy Jesôsy: "Mangetaheta Zaho."29 Ary nisy tavoara feno divay marikivy nipaitraka teo amin'ny toairagna io, kay nasian-jareo divay marikivy ny siponjy kay notohizany tamin'ny hysopa aveo napaitany tamin'ny hysopa avakeo napaitapaitany tamin'ny vavanazy.30Koafa nigiaka lehy vinaigra Jesôsy, dia hoizy Izy: "Afa vita." Nahondriny ny laohanazy avakeo niala ny fagnahiny.31Satria andron'ny fihomanagna tamin'ny zany, kay mbô tsy hijanogno akeo amin'ny kakazo fijaliagna mandritran'ny Sabata (Satria ny Sabata dia andro manan-danja manaokagna) reo vata-manintsy, dia nangataka tamin'i Pilato reo Jiosy aveo, ny mbô hanapahagna hongotro njareo avakeo hangalagna zareo. 32Aveo nagnatogno reo miaramila kay nanapaka ny hongotry lehy lalahy voalaohany ndraiky lehy lalahy faharoa zay voafantsiky niaraka tamin'i Jesôsy. 33Koafa nagnatogno Jesôsy zareo, nahita fao afa maty Izy, kay tsy nitapahinjareo ny hongony.34Naifa, nisy miaramila araiky nanindrogno lanivoany tamin'ny lefogno, ary samby teo nisy lio ndraiky rano niraraka. 35Lehy araiky zay nahita zany dia nitsangagna antomoa, aveo marigny ny fagnambarany. Hainy fao marigny zay nikoragnany mbô hinoanareo faogna koa.36Fao raha reo no nitranga mbô hahatantairaka ny Saoratra Masigny: "Tsy hisy ho tapaka na dia araiky amin'ny tahaolany aby." 37Ary mbôla, misy Saoratra Masigny hafa mivaolagna magnanjao: "Izy reo dia hizaha Azy zay nolefonin-jareo."38Tafaran'ny reo, Josefa avy ao Arimatio, rango naha-mpianatr'i Jesôsy azy (Fao tao amin'ny mangingigny nohon'ny Fahatahaoragna reo Jiosy), nagnontany Pilato raha afaka malaka vatagna Jesôsy izy. Namaizan'i Pilato alalagna izy. Kay tonga Josefa ary nalaka vatany. 39Tonga tagny faogna koa Nikodemosy, zay tonga voalaohany hizaha Jesôsy ny align'igny. Ary nitondra mainaka zato litatra teo ny fatrany.40Koafa niraisin-jareo ny vatan'i Jesôsy aveo namôgno zany tamin'ny lambam-paty ndraiky raha mangintry, araka ny fomba fandivaignagna Jiosy. 41Ary teo amin'ny Toairagna namantsaihagna Azy dia nisy saha; ary teo amin'ny lehy saha nisy fasagna vava zay mbôla tsy nandevaignan'ôlogno. 42Satria andron'ny fiomanan'ireo Jiosy tamin'zany ary satria narikitry fasagna, dia nambailan-jareo tao Jesôsy.
Chapter 20
1Avakeo voh marandraignin'ny andro voalaohan'ny erign'andro, raha mbôla mahizigny igny, nagnegny amin'ny fasagna Maria Magdalenina aveo nahita lehy vato afa niteky lavitry lehy fasagna izy.2Noho zany dia nilomoay izy aveo nagnatogno Simona Petera ndraiky lehy mpianatra hafa zay tian'i Jesôsy, ary hoizy taminjareo: ''Nalainjareo tao amin'ny fasagna ny Tompo, avakeo tsy hanay zay nambilanjareo Azy.''3Aveo nandaiha niboaka Petera ndraiky lehy mpianatra hafa, ary nagnagny amin'ny fasagna zareo. 4Samby nilomoay zareo, avakeo nihoafan'ny lehy mpianatra hafa malaky Petera ary izy homby voalaohany tagny amin'ny fasagna. 5Aveo nondriky izy, ary nizaha lehy lambam-paty nipaitraka teo, fao tsy mbôla nitsôfotro tagnatiny izy.6Tonga tafarany aveo Simona Petera aveo niditry tampasagna. Hitany nipaitraka teo lehy lambam-paty7ndraiky lehy lamba nitsabony tegny amin'ny laohany. Tsy niara-nipaitraka tamin'ny lehy lambam-paty anaifa lehy izy fao nivalombalogno hoazy teo amin'ny toairany.8Avakeo lehy mpianatra araiky hafa, lehy tonga voalaohany teo amin'ny fasagna, niditry tagnatiny koa, ary nahita avakeo nino izy. 9Fao rango tamin'ny io fotoagna io zareo tsy mbôla nahay Saoratra Masigny faogna fao Izy tsy maintsy hitsangagna amin'ny maty.10 Kay nimpôdy tagny an-tragno reo mpianatra.11Fao Maria nitsangagna nitomoagny tambailany fasagna. Koa izy nitomoagny igny, dia nondriky tamin'ny lehy fasagna. 12Nahita anjely aroa magnano lamba fôtsy nipaitraka izy, ny araiky tan-andaohany, ary ny araiky tan-tongony tamin'ny lehy toairagna nambilagna vatan'i Jesôsy. 13Hoizy zareo taminazy, "Ravehivavy, nagnino anao mitomoagny?" Hoizy izy taminjareo: "Satria nindesinjareo ny Tompoko, ary tsy haiky zay nambilanjareo Azy."14Koafa avy nivaolagna zany izy, dia nitodiky ary nahita Jesôsy nitsangagna teo, fao tsy hainy fao Jesôsy io.15 Hoizy Jesôsy taminazy: "Ravehivavy, Nagnino anao mitomoagny? Fao zôvy zahavanao?" Sambarany fao lehy mpiambigny fao Izy, kay hoizy izy taminazy: "Tompoko, raha Anao nalaka Azy, ambarao zaho nambilanao Azy, fao ho alaiky agny Izy."16Hoizy Jesôsy taminazy: "Maria." Nitodiky izy, ary nivaolagna tamin'ny vaolagna Hebreo: "Rabôny" (zay midika hoe: "Mpampianatra.") 17Hoizy Jesôsy taminazy: "Aza mikasiky Zaho, fao tsy mbôla nakatra akagny amin'ny Iada Zaho, fao mandihana akagny amin'ny reo rahalahiky aveo volagno zareo fao hakatra akagny amin'ny Iadako ndraiky Iadanareo Zaho, ary ny Zagnaharianaha ndraiky Zagnaharinareo." 18Nandaiha Maria Magdalenina ary nivaolagna reo mpianatra nagnanjao: "Nahita Tompo zaho," aveo reo raha reo no nikoragniny taminazy.19Ary hariva tamin'ny zany, tamin'ny andro io, andro voalaohan'ny herign'andro, ary reo tamiagna zay nisy reo mpianatra, dia nifôdy nohon'ny fahatahaoragna reo Jiosy, nagnatogno Jesôsy ary nitsangagna tagnivonjareo kay nivaolagna taminjare nagnanjao: "Fiadanagna ho anareo." 20Koafa avy nivaolagna zany Izy, dia naboakany zareo ny tagnany ndraiky lanivoany. Ravo reo mpianatra koafa nahita Tompo.21Aveo Jesôsy nivaolagna zareo nagnanjao: "Fiadanagna hoanareo. Karaha ny nagnirahan'ny Iada Zaho, no hagnirahako areo koa.''22 Koafa avy nivaolagna zany Jesôsy, dia nitsitro fôfokoaigny taminjareo ary nivaolagna zareo: "Alay Fagnahy Masigny. 23Na heloko zôvy na heloko zôvy availanareo, ho availa zareo; ary na zôvy na zôvy tsy availanareo, tsy ho availa zareo."24Tomasy, araiky tamin'ny reo aroa ambin'ny fôlo, nantsôvigny hoe Didymo, tsy niaraka taminjareo koafa avy Jesôsy. 25Reo mpianatra hafa aveo nivaolagna taminazy nagnanjao: "Hitanay Tompo." Hoizy taminjareo: "Raha tsy hitako egny amin'ny tagnany ny loakan'ny reo fantsiky, aveo magnapaitraka ratsantagnanaha agnatiny lehy loakan'ny reo fantsiky zaho, ary mamaitraka tagnako amin'ny lanivoany, tsy hino zaho."26Valo andro tatoy afara dia tao ndraiky reo mpianany, ary niaraka taminjareo Tomasy. Nagnatogno Jesôsy raha nifôdy tamiagna, ary nitsangagna niaraka taminjareo, aveo nivaolagna nagnanjao: "Fiadanagna hoanareo." 27Aveo nivaolagna Tomasy Izy: "Magnataogna atoy miaraka amin'ny tagnagnao ary ambilao eto amin'ny lanivoako zany. Aza hely finoagna, fao minoa."28Tomasy namaly aveo nivaolagna nagnanjao: "Tompoko, ndraiky Zagnahariky.'' 29Hoizy Jesôsy taminazy: "Satria nahita Zaho Anao, dia nino. Sambatra reo zay tsy nahita, naifa mino."30Zeo Jesôsy nitsabo famantaragna fôntry hafa tagnatraihan'ny reo mpianany, famantaragna zay tsy voasaoratra tagnatiny tô boky tô,31fao reo dia voasaoratra mbô hahafahanareo mino fao Jesôsy no Kristy, lehy Zanaka Zagnahary, avakeo koafa mino Azy areo, hahazo fiainagna amin'ny agnarany.Chapter 21
1Tafaran'ny raha reo Jesôsy niboaka taminjareo mpianatra ndremandaiha teo amin'ny ranomason'i Tiberiasy. Karaha zao fomba niboahany: 2Simona Petera niaraka tamin'i Tomasy zay antsôvigny hoe Didymo, Natanaela avy akagny Kana akgny Galilia, reo zanak'i Zebedio, ary mpianatr'i Jesôsy aroa hafa. 3Hoizy Simona Petera taminjareo: "Handaiha hagnarato zaho.'' Aveo hoizy zareo taminazy: "Zahay, koa, handaiha hiaraka aminao." Kay lôsogno zareo ary niditry tagnaty lakagna araiky, fao tsy nahazo na ino na ino zareo nandritry ny aligny jiaby.4Ary raha voh mahizinkizigny ny andro, nitsangagna tandranomasigny Jesôsy, fao tsy hain'ny reo mpianatra hoe Jesôsy io. 5Kay hoizy Jesôsy taminjareo: "Oa tôvolahy, tsy managna hoaniky moa areo?" Namaly Azy zareo: "Tsia." 6Hoizy Izy taminjareo: "Atopio eo amin'ny sisiny ankahery ny lakagna ny haratonareo, dia hahazo areo. "Kay natompinjareo ny haratonjareo ary tsy nahavita nampakatra zany tao nohon'ny hafontrizany ny hazandrano.7Aveo hoizy lehy mpianatra zay tian'i Jesôsy tamin'i Petera: "Ny Tompo io." Koafa regnin'i Simona Petera fao Tompo io, dia nampiditry ny ambonin'ankanjony izy (Satria tsy nagnano lamba izy), kay nitsambokigny tagnaty ranomasigny. 8Reo mpianatra hafa nandaiha amin'ny lakagna (Satria zareo tsy lavitry tanety, teo amin'ny roanjato hakiho teo), ary nanintogno harato feno hazandrano. 9Koafa tafakatra an-tanety zareo, nahita môtron'harigny tegny ary hazandrano tamboniny, miaraka amin'ny môfo.10Hoizy Jesôsy taminjareo: "Mindaisa hazandrano fôntrifôntry amin'ny reo voh hazonare teo." 11Ary nakatra Simona Petera kay nanintogno an-tany ny harato, zay feno hazandrano gaida; 153. Taigna fôntry, kanaifa tsy triaka lehy harato.12Hoizy Jesôsy taminjareo: "Avia hinagna marandraigny." Tsisy tamin'ny reo mpianatra nahasaiky nagnontany Azy nagnanjao: "Zôvy moa Anao?" Hainjareo fao Tompo io. 13Nagnatogno Jesôsy, nalaka môfo, avakeo nagnamia zany zareo, hotra zany koa ny hazandrano.14 Fagnintelony amin'io no niboahan'i Jesôsy tamin'ny reo mpianatra tafaran'ny nitsanganany tamin'ny maty.15Koafa avy nihinagna marandraigny zareo, hoizy Jesôsy tamin'i Simona Petera: "Simona zanak'i Jaona, tia Zaho mihoatra noho reo moa anao?" Hoizy Petera taminazy: ''Ia Tompo, haina fao tia Anao zaho." Hoizy Jesôsy taminazy: "Fahano reo ondriky."16 Nivaolagna taminazy fagnindrony Izy: "Simona zanak'i Jaona, tia Zaho moa anao?" Hoizy Petera taminazy: "Ia Tompo, hainao fao tia Anao zaho." Hoizy Jesôsy taminazy: "Karikaray ny ondriky."17Nivaolagna taminazy fagnintelo izy: "Simona, zanak'i Jaona, tia Zaho moa anao?" Dia nalahelo Petera satria Jesôsy nagnano intelo taminazy nagnanjao: "Tia Zaho moa anao?" Kay hoizy izy taminazy: "Tompo, Anao mahay raha jiaby, hainao fao tia Anao zaho." Hoizy Jesôsy taminazy: "Fahano ny ondriky."18 Koragniky aminao, marigny, marigny tatôbe, rango mbôla tanora anao, zatra nampiditry manaokagna ny ankanjonao ary nandaiha tamin'ny zay tianao, fao koafa nahay hantitry anao, hamavatra tagnagnào, aveo ôlonkafa no hampiakanjo anao ndraiky hitondra anao amin'ny zay tianao mboagna."19Ary Jesôsy nivaolagna zany mbô hahaizagna hoe amin'ny karazagna fahafataisagna hotra ny ino no hagnamaizan'i Petera vogninahitry Zagnahary. Koafa avy nivaolagna zany Izy, dia hoizy Izy tamin'i Petera: "Magnaraha Zaho."20Nitodiky Petera kay nahita lehy mpianatra zay tian'i Jesôsy nagnaraka zareo, lehy araiky zay niankigny ampitan'i Jesôsy faogna koa tao, amin'ny fihinanagna ary nagnanjao: "Tompoko, zôvy lehy araiky hamadiky Anao?"21Nahita azy Petera ary hoizy izy avakeo tamin'i Jesôsy: "Tompo, ino no ho tsabony lalahy io?"22Hoizy Jesôsy taminazy: "Raha tiako hitoaitra izy papiky haviako, dia midika ino zany aminao? Magnaraha Zaho.'' 23Kay nipariaka teo amin'ny reo mpirahalahy zany vaolagna zany, fao tsy hofoaty mpianatra io. Naifa Jesôsy tsy nivaolagna tamin'i Petera fao tsy hofoaty lehy mpianatra hafa, fao magnanjao: "Raha tiako hitoaitra izy papiky haviako, dia midika ino zany aminao?"24Izy lehy mpianatra zay nitsangagna antomoa mahakasiky raha reo, ndraiky lehy nanaoratra raha reo, ary haintsika fao marigny ny fagnambarany.25Misy raha maro hafa koa zay nitsabon'i Jesôsy. Raha voasaoratra tsiaraikiaraiky aby zany, dia sambarako fao na dia zao tontolo zao aby tsy homby boky zay ho soroatagna.
Acts
Chapter 1
1Ny boky nisoroatako talaoha, ry Teofilo, dia mivaolagna ny jiaby zay natombok'i Jesôsy ndraiky nampianariny, 2zisiky amin'ny andro nampakaragna Azy, aveo nagniraka reo Apostoly zay nifidny tamin'ny alalan'ny Fagnahy Masigny Izy. 3Tafaran'ny nijaliany, dia nagnamboaka ny haigniny velogno taminjareo Izy niaraka tamin'ny reo profo mandresy lahatra maro. Niboaka taminjareo Izy nandritra ny aifapôlo andro, aveo nikoragna mahakasiky ny fanjakan-Jagnahary.6Koafa tafivôry zareo dia nagnontany Azy zareo nagnanjao: "Tompo, zeo moa no fotoagna hampodiananao ny fanjakagna ho nihin'ny Israely?" 7Hoizy Izy taminjareo: "Tsy areo no hahay ny fotoagna na reo vagnin'andro zay nitindren'ny Iada tamin'ny fahefagnany zeraiky. 8Fao koafa tonga ndraiky ny Fagnahy Masigny dia hahazo angôvo areo, kay hanjary antomoa magnairagna Jerosalema ndraiky Jodia jiaby aveo Samaria, ndraiky zisiky am-paran-tany."9Koafa nivaolagna zany raha zany Jesôsy Tompo, dia niandrandra zareo, nakarigny Izy, ary ny zavogno nambada Azy teo imason-jareo. 10Raha mbôla nizaha langitry igny zareo tamin'ny nandihanany, tampoko teo, nisy aroa lahy nagnano ankanjo fôtsy nitsangagna tankila-njareo. 11Nivaolagna zareo nagnanjao: "Oa lalahy avy akagny Galilia, magnino areo mitsangagna aketo mizaha langitry? Igny Jesôsy nalaigny taminareo zay nampakarigny akagny an-dangitry igny, dia himpôdy tôrotro ny nahitavanareo azy nakatra akagny an-dangitry teo igny.12Avakeo zareo nimpôdy tagny Jerosalema avy tao amin'ny tanetin'Oliva, zay marikitry Jerosalema, tôrotro amin'ny dian'ny andro Sabata araiky. 13Koafa tonga zareo, nakatra tao amin'ny efitry agnambo rimba, zay nidaohan-jareo. Zareo dia Petera, Jaona, Jakoba, Andrea, Filipo, Tomasy, Bartolomeo, Matio, Jakoba zanak'i Alifeo, Simona Zelota, aveo Jodasy zanak'i Jakoba. 14Nitambatra ho araiky izy jiaby, aveo nazôto nivavaka. Agnisany zany reo vaiavy, Maria ninin'i Jesôsy, ndraiky reo rahalahiny.20Fao afa voasaoratra ao amin'ny Bokin'ny Salamo: "Ambilào ho lemby ny sahany, ary aza availao na dia ôlogno araiky aby hidôko akao'; 'avilao ho alain'ôlon-kafa ny andraikiny."
Chapter 2
1Koafa tonga ny andron'ny Pentekosta, nivôry tamin'ny toairagna araiky izy jiaby. 2Tampoko teo avy akagny an-dangitry nisy feo karaha rivotro mafy nivaololagna, ary nameno tragno jiaby zay nidaohan-jareo zany. 3Nisy môtro tôrotro laila maro zay nizarazara, avakeo nidôko tambonin-jareo tsiaraikiaraiky aby. 4Izy jiaby feno ny Fagnahy Masigny ary nanomboko nivaolagna tamin'ny fivolagnagna maro samy hafa, araka ny nagnamaizan'ny Fagnahy Masigny hivolagnan-jareo.8Nagnino maharegny zareo atsika, amin'ny fivolagnantsika tsiaraikiaraiky aby zay naha gaida atsika?9 Partianina ndraiky Medianina aveo Elemita, ary reo zay mipaitraka akagny Mesopotemia, akagny Jodia ndraiky Kapadokia, akagny Ponto ndraiky Asia,10 Frygia ndraiky Pamfylia, akagny Egypta ary Libya zisiky akagny amin'i Kyrena, ary reo mpitidiky avy akagny Roma, 11Jiosy ndraiky Proselyta, Kreatana ndraiky Arabo, dia regnintsika mivaolagna amin'ny fivolagnantsika mahakasiky ny asa goalahy tsabon-Jagnahary."12Zareo dia gaga avakeo sahiran-tsaigny; ary nifampivaolagna zareo nagnanjao: Ino no dikan'ny zany?" 13Fao reo sasany nankalaifaka salakady nivaolagna: "Zareo dia mamon'ny divay vava."14Fao Petera nitsangagna niaraka tamin'izy araiky ambin'ny fôlo, napakatra ny feony, aveo nagnambara taminjareo : "Oa lalahin'i Jodea ndraiky areo jiaby zay midôko aketo Jerosalema, aoka ho hainareo zao, tandremo reo vaolagna naha. 15Hoan'ny reo ôlogno tsy mamo karaha zay hieritreretanareo, fao voh fotoagna fahatelo amin'ny andro zao.16Fao zao lehy nambaran'i Joela mpagnazary: 17'Amin'ny andro farany,' Zagnahary mivaolagna: 'Halatsako amin'ny ôlogno jiaby ny Fagnahinaha. Reo zanakareo lalahy ndraiky ny zanakareo vaiavy dia haminagny, ny zatovonareo hahita fahitagna, avakeo ny antilahinareo hagninôfy.20Ny masaova dia hanjary hizigny ary ny davaolagna hanjary lio, alaohan'ny andro lehibe sady miavaka havian'ny Tompo.21 Ary ny ôlogno jiaby zay magnansto agnaran-Jagnahary dia hoavaotagna.25Fao Davida mivaolagna mahakasiky Azy, "Nahita Tompo teo agnatraihako lalandava zaho, fao aketo an-tagnako an-kahery Izy kay tsy tôkony hangôzohôzo zaho. 26Dia taigna ravo ny fôko aveo niravoravo ny lailako. Ary koa, ny nôfoko hivelogno amin'ny fahatokiagna.27Fao tsy nialana hoagny amin'ny fiainan-tsy hita ny fagnahiky avakeo tsy hagnambaila ny Araiky Masigny ho lô anao. 28Nagnambara zaho reo lalan'ny fiainagna Anao; Anao dia hameno haravoagna zaho amin'ny bikanao.'29Oa rahalahy, afaka mivaolagna aminareo am-patokisagna mahakasiky Davida Patriarika zaho: afa maty izy no nalevigny, ary ny fasany dia aketo amintsika zisiky niany.30 Noho zany, mpagnazary izy ary hainy fao afa nifanta taminy Zagnahary, fao ny tamingany no hoakeo amin'ny dabilio fiandrianany. 31Afa hitany zany dia nikoragna mahakasiky ny fitsanganan'i Kristy tamin'ny fahafataisagna, 'sady izy tsy navaila tao amin'ny fiainan-tsy hiata, no tsy nagnano ny nôfony ho takatrin'ny fahaloavagna.'32Io Jesôsy io-Zagnahary no nanangagna Azy, kay antomoan'ny zany zahay jiaby. 33Noho zany koafa nakariny tagnan-kaherin-Jagnahary Izy dia nandray ny Fagnahy Masigny nampanantenaigny avy tamin'ny Iada, afa nalatsany zany, zay hitanareo ndraiky regninareo.40Niaraka tamin'ny koragna maro hafa no nitsanganany ho antomoa ndraiky nampirisahany zareo; nagnambara izy nagnanjao, "Avaoto ny haigninao amin'ny tô taminga ratsy fagnahy tô." 41Avakeo zareo nalaka ny vaolagna kay nitsabogny batisa, ary tôkony fagnahin'ôlogno teo amin'ny telo arivo teo no nampiagna tamin'ny io andro io. 42Nanôhy sady naharitry ny asa fitoriagna ndraiky ny fampianaran'ny apostoly zareo, teo amin'ny fanapahagna ny môfo ndraiky ny fivavahagna.43Tonga teo amin'ny fagnahin'ny tsiaraikiaraiky hamboriagna, aveo fahagagagna ndraiky famantaragna maro no vita tamin'ny alalan'ny apostoly. 44Reo jiaby nino dia nivôry ave nanagna raha nitôvy, 45ary zare dia nivarotro taniny ndraiky fanagnany kay nirasa zany tamin'izy jiaby, araka zay nilainy aby.
Chapter 3
1Aveo Petera ndraiky Jaona nakatra tegny amin'ny tempoly tamin'ny fotoagnan'ny fivavahagna, ny fotoagna fahasivy.2 Avakeo nisy lalahy araiky nalemy rango am-pitirahagna nindesigny isan'andro tegny amin'ny tamiagna Tsaran'endriky ny tempoly, mbô hangataka fagnomaizagna ara-baola akagny amin'ny reo ôlogno zay magnegny amin'ny tempoly.3Koafa nahita Petera ndraiky Jaona zay handaiha hitsôfotro ny tempoly, dia nangataka fagnomaizagna ara-baola taminjareo izy.11Ary noho izy nitagna Petera ndraiky Jaona, ny ôlogno jiaby dia nihôrogno nandaiha taminjareo tegny amin'ny fialaofagna zay nantsôvigny hoe fialaofan'i Solomona, ary taigna sondriagna. 12Koafa nahita zany Petera dia namaly ny ôlogno nagnanjao: "Areo vahoakan'Israely, magnino no sondriagna areo? magnino ny masonareo mandiniky zahay, karaha angôvonay na fahamasignagnay manaokagna moa nampaningagna azy?15Nivononareo ny Mpagnorigny ny fiainagna, zay natsangan-Jagnahary tamin'ny maty_ary antomoan'ny zany zahay. 16Zeo, noho ny finoagna amin'ny agnarany_lehy lalahy zay hitanareo sady hainareo_igny agnarany igny faogna no nahatonga azy hahery. Ny finoagna avy amin'i Jesôsy no nagnamia zao fahasitragnagna feno zao hoazy aketo agnatraihanareo jiaby.19Mibaibaha, noho zany, aveo mimpodiana, mbô ho voavono ny fahotanareo, mbô ho tonga ny fotoagna mahavelombelogno akeo agnatraihan'ny Tompo; 20aveo mbô handaifa lehy Kristy zay voatendry hoanao izy, dia Jesôsy.Chapter 4
1Raha nikoragna tamin'ny reo vahoaka Petera ndraiky Jaona, dia avy reo mpisôrgno ndraiky ny lehiben'ny mpiambigny ny tempoly ary reo Sadoseo. 2Vingitry mafy zareo nohony Petera ndraiky Jaona nampianatra vahoaka ndraiky nitory ny fitsanganagna amin'ny maty tamin'ny alalan'i Jesôsy. 3Nisambôrigny zareo ary natao tagny angadra papiky hatongavany maraindraigny, satria afa haligny ny andro tamin'ny zany. 4Kanaifa maro tamin'ny reo ôlogno zay nitandregny hafatra no nankatô; aveo ny isan'ireo lalahy zay nankatô dia dimy arivo teo ho eo.11Jesôsy Kristy dia vato zay natanareo mpagnorin-tragno tsinotsinona kanaifa afa natao ho laohan'ny vato fehizoro. 12Aveo tsisy famonjiagna avy amin'ny hafa, fao tsisy agnaragna hafa ambanin'ny langitry namaizan'ny ôlogno zay tsy maintsy hahavonjy atsika."19Kanaifa namaly zareo Petera ndraiky Jaona nivaolagna nagnanjao: "Raha marigny eo imason-Jagnahary ny magneky areo mihoatra Azy, dia areo no mitsara.20Tsy afaka ny hijanogno tsy hivaolagna mahakasiky reo raha hitanay sady regninay zahay."23Tafaran'ny namotsaoragna zare, dia tonga teo amin'ny vahoakany Petera ndraiky Jaona ary notateriny taminjareo zay jiaby nivolagnin'ny reo laohan'ny mpisôrogno ndraiky reo sojabe taminjareo. 24Koafa regnin-jareo zany, dia niara-nampakatra ny feonjareo hoan-Jagnahary zareo kay nivaolagna nagnanjao: "Tompo, Anao no nitsabo langitry ndraiky tany, ndraiky ny ranomasigny, ary zay jiaby akao aminazy.25 Nivaolagna tamin'ny alalan'ny Fagnahy Masigny tamin'ny vavan'ny mpanomponao, ny iadantsika Davida Anao nagnanjao: 'Nagnino vingitry reo firenena Jentilisa, ndraiky reo ôlogno mieritreritry raha tsisy ilagna azy?'26Areo mivaolagna: Mpanjakan'ny tany dia nitambatra, aveo reo mpanapaka dia nivôndrogno hanohitry ny Tompo, ndraiky hanohitry ny Kristiny.'27Fao afa Heroda ndraiky Pontsy Pilaty, zay niaraka tamin'ny reo Jentilisa aveo reo vahoakan'i Israely, no niaraka nivôry tao an-tanagna hanohitry Jesôsy mpanomponareo, zay nosoranareo. 28Niara-nivôry zareo mbô hagnano zay jiaby natan'ny tagnagnagnareo ndraiky reo drafitry areo zay afa nitapahin-jareo ho tsabogny alaoha.34Tsisy ôlogno nanagna raha mampijaly teo amin-jareo, fao zay jiaby nanagna tany na tragno dia navidy ary ninday ny vaolan'ny raha jiaby zay lafo. 35Avakeo napaitraka teo an-tongotro reo apostoly, ary nirasaigny tamin'ny ôlogno tsiaraikiaraiky araka zay ilainjareo.Chapter 5
1Fao nisy lalahy araiky nantsôvigny hoe Ananiasy, niaraka tamin'i Safira vadiny, nivarotro anjara tany, 2aveo nitanany ny sasany tamin'ny reo vaola vidiny (ny vadiny faogna koa nahay zany), avakeo ninday ny ampahany hafa tamin'ny zany ary nagnambaila azy teo antongotro reo apostoly.9Avakeo Petera nivaolagna azy nagnanjao: "Nagnino areo nagneky hiaraka hitsapa Fagnahin'ny Tompo? Tô, reo hongotro reo ôlogno zay nadevigny ny vadianao dia eo antamiagna, ary hagnaboaka anao zareo. 10Ary lavo samby teo amin'ny hongony izy aveo afaka ny aigniny. Koafa niditry tao reo tôvolahy, dia nahita azy maty, kay nitondra azy niboaka sady nandevigny azy teo ankilany vadiny. 11Ambory ny fiangonagna jiaby, ndraiky reo jiaby zay naharegny zany raha zany.12Famantaragna ndraiky fahagagagna maro no niboaka tamin'ny reo vahoaka tamin'ny alalan'ny tagnagna reo Apostoly. Niraka teo amin'ny fialofan'i Salomona zareo. 13Fao tsisy ôlogno hafa nanagna fahasakiagna hiaraka aminjareo; kanaifa ny vahoaka dia nanadratra fankasitrahagna zareo.19Ary nandritran'ny aligny dia nisy anjelin'ny Tompo nanaokatra tamiagnan'ny fonja ary nagnaboaka zareo tao, aveo nivaolagna nagnajao: 20"Mandihiana, mitsangana ao amin'ny tempoly avakeo mivolagna amin'ny ôlogno reo vaolagna jiaby ny tô fiainagna tô."21Koafa naharegny zany zareo, dia niditry tao amin'ny temply zareo koa voh marandraigny ny andro kay nampianatra. Fao tonga ny mpisôrogno be, ndraiky reo zay niaraka taminazy, aveo nagnantso ny filan-kevitry jiaby, reo sojabe jiaby ny vahoakan'Israely, aveo nalaifa tagny am-ponja mbô hagnaboaka reo apostoly.22Fao koafa tonga lehy mpiambigny raharaha dia tsy nahita zareo tam-ponja, kay nimpôdy zareo aveo nitatitry nagnanjao: 23"Nahita tragno mahizigny nigadra tsara zahay aveo mpiambigny nitsangagna niambigny tantamiagna, fao koafa nisokoafinay zany, tsy nahita ôlogno tagnatiny zahay."33Koafa naharegny zany reo tao amin'ny filan-kevitry, dia vingitry zareo ary nikasa hamono reo apostoly. 34Fao nisy Fariseo araiky nantsôvigny hoe Gamaliela, mpampian-dalàgna, zay najain'ny ôlogno jiaby, nitsangagna aveo nagniraka reo apostoly mbô ho alaigny aboaka hely akagny ambailany.35Ary izy nivaolagna taminjareo nagnajao: "Lalahy Israely, Tandremo tsara ny amin'ny raha zay ho tsabonareo miaraka amin'ny reo ôlogno reo. 36Fao tagny alaoha tagny, Teodasy nivaolagna ny haigniny ho raha, aveo vôndrogn'ôlogno, tôkony ho aifa-jato, nagnaraka azy. Nivonogny izy, aveo reo jiaby zay nagneky azy dia niparitaka ary nanjary tsinotsinona. 37Avakeo lalahy io, Jodasy avy akagny Galilia dia nitsangagna tamin'ny andron'ny fagnisagna ary nanagno ôlogno maromaro hagnaraka azy. Izy faogna koa nivonogny, aveo reo jiaby zay nagneky azy dia nipariaka.40Ary nagnantso reo apostoly hiditry zareo aveo namboko sady nagniraka zareo tsy hivaolagna amin'agnaran'i Jesôsy, avakeo nambaila zareo handaiha. 41Zareo dia tsy nagneky ny filan-kevitry tan-karavoagna satria magnaiva ny hitondra fahafaham-baraka hoan'i Lehy Agnaragna.42 Tafaran'ny zay isan'andro, tsy nijanogno nampianatra ndraiky nitory Jesôsy ho Kristy zareo, teo am-banjan'ny Tempoly ndraiky tamin'ny tragno maro.Chapter 6
1Ary tamin'ny zany andro zany, koafa nahay nisôsoko ny isan'ny reo mpianatra, dia nanomboko nisy fitaraignagna natan'ny reo Jiosy mivaolagna Grika hanohitry reo Hebreo, satria natan-jareo tsinotsinona reo mpitondra-taignany tamin'ny firasàgna hanigny isan'andro.2Ny aroa ambin'ny fôlo dia nagnantso reo mpianatra koafa ho agny aminjareo sady nivaolagna nagnajao: "Tsy mety amintsika raha tsy magneky vaolagna Zagnahary mbô hikarakara reo latabatra. 3Noho zany areo dia tôkony mifidy, rahalahy, fito aminareo, lalahy tsara laza, feno ny Fagnahy ndraiky fahindriagna, mbô ho tindrenay hikarakara zany raharaha zany. 4Raha ny aminay, dia hanôhy hatragny amin'ny fivavahagna ndraiky amin'ny fampianaragna vaolagna zahay.''7Kay nipariaka faogna ny vaolagna Zagnahary, aveo ny isan'ny mpianatra tao Jerosalema dia nahay fôntry, ary mpisôrogno maro faogna no nanjary mpankatô ny finoagna.8Ary Stefana, feno fahasoavagna ndraiky angôvo, dia nagnano fahagagagna ndraiky famantaragna gaida teo amin'ny vahoaka. 9Fao nisy vahoaka sasany nitsangagna zay nihin'ny Synagoga zay volagnigny fao ny sinagogan'ny Libertina, ndraiky nihin'ny Kyreniana aveo Aleksandriana, ary ny sasany avy akagny Kilikia ndraiky Azia. Reo ôlogno reo dia niady hevitry tamin'i Stefana.Chapter 7
9Satria reo Patriarika dia nalaigny Josefa, kay navidin-jareo tagny Egypta izy; Fao Zagnahary niaraka taminazy 10aveo namonjy azy tamin'ny reo ôlony jiaby. I Josefa namaizany fankasitrahagna ndraiky fahindriagna teo agnatraihan'i Farao, mpanjakany Egypta, zay nampidôko azy ho governora manapaka Egypta ndraiky agnambony reo fanagnany jiaby.11Ary havy ny silagno nagnairagna Egypta ndraiky Kanana, aveo fijaliagna gaida, ary reo razantsika dia tsy nahita hanigny. 12Fao koafa nahiregny Jakoba fao nisy vary tao Egypta, nandaifa reo razantsika tamin'ny dian-jareo voalaohany izy. 13Tamin'ny dian-jareo faharoa Josefa nagnambara haigniny tamin'ny reo rahalahiny, ary ny fianakaviagnan'i Josefa dia nanjary hain'i Farao.17Koafa narikitry ny fotoagnan'ny lehy fampanantenagna, lehy fampanantenagna zay nitsabon-Jagnahary tamin'i Abrahama, dia nahay maro ndraiky nisôsoko ny ôlogno tao Egypta,18 mandra-pitsanganan'ny mpanjaka hafa tao Egypta, mpanjaka zay tsy nahay ny mahakasiky Josefa. 19Io mpanjaka io faogna no namitaka ny vahoakantsika ndraiky nampijaly reo razantsika, zareo dia nanery razantsika tsy hagneky reo zanany ambava loza mbô tsy ho levogno.26Ny andro magnaraka dia tonga tao amin'ny reo Isaelita sasany izy koa zareo niady; nagnandragna nampitony ny tsiaraikiaraiky avy izy, nivaolagna nagnanjao: "Oa lalahy, areo dia mpirahalahy, magnino areo miady?"27Fao ny araiky zay nagnano tsy nanjary tamin'ny namany nanosiky azy, aveo nivaolagna nagnanjao: "Zôvy no nanendry anao ho mpanapaka ndraiky hitsara zahay? 28Tianao moa ny hamono zaho, karaha ny namonoanao reo Egyptianina lomoaligny?"29Niala Mosesy koafa naharegny zany; nanjary vahiny izy tao amin'ny tanin'ny Miadiana, zay nitirahany ny zanany aroa lahy. 30Koafa nandilatra aifapôlo tagno, nisy anjely araiky niboaka taminazy tagny antanimaty tegny amin'ny tanety Sinay, teo amin'ny lailamôtron'ny lehy voaroy nirehitra.31Koafa hitan'i Mosesy lehy môtro, sondriagna izy tamin'ny lehy fahitagna; ary koafa nagnatogno izy kay nizaha lehy izy, tô avy akagny nisy feon'ny Tompo nivaolagna nagnanjao: 32"Zaho no Zagnaharin'ny reo razagnao, Zagnaharin'i Abrahama, ndraiky Isaka, aveo Jakoba.'' Nangitakitaka Mosesy aveo tsy nahasaky nizaha.33Ny Tompo nivaolagna taminazy: "Alào ny kapa egny amin'ny hongotroa, fao io toairagna zay hitsangnana io tany masigny. 34Afa hitako tatôbe ny fijalian'ny vahoaka zay akao Egypta, regniky ny fitaraignan-jareo, aveo afa nijôtso nagnavotro zareo Zaho; koa zeo alaifako akagny Egypta anao."35Io lehy Mosesy zay tsy nikehinjareo, koafa nivaolagna zare nagnanjao: "Zôvy no nagniraka anao ho mpanapaka ndraiky ho mpitsara?" Izy lehy taokagna zay nalaifan-Jagnahary sady ho mpanapaka aveo mpagnavotro. Zagnahary nagnandaifa azy tamin'ny alalan'i lehy anjely zay niboaka tamin'i Mosesy tegny amin'ny voaroy. 36Nitariky zareo hiala tao Egypta i Mosesy, koafa avy nagnano fahagagagna ndraiky famantaragna tao Egypta ndraiky tegny amin'ny ranomasigny maina, ary tagny antanimaty nandritry ny aifa-pôlo tagno. 37Io faogna lehy Mosesy zay nivaolagna tamin'ny vahoakan'Israely nagnanjao: "Zagnahary hanangagna mpagnazary ho nihinareo akeo amin'ny rahalahinareo, mpagnazary tôrotro zaho."'38Izy lehy lalahy zay tam-piangonagna tao agnefitry niaraka tamin'ny lehy anjely zay nivaolagna taminazy tagny amin'ny tanetin'i Sinay. Izy lehy lalahy niaraka tamin'ny reo razantsika; izy lehy lalahy zay nalaka ny vaolagna velogno rasaigny hoantsika.39 Izy lehy lalahy zay tsy nankatoavin'ny reo razantsika; natosiky n-jareo lavitry zareo izy, aveo akagny ampônjareo dia nimpôdy tagny Egypta zareo.40 Tamin' io fotoagna io nivaolagna tamin'ny Arona zareo nagnanjao: "Tsaboano Zagnahary zahay hitariky zahay, karaha Mosesy, zay nitariky atsika hiboaka akagny Egypta, tsy haintsika zay nahavoa azy.''41Ary nagnano aomby hely zareo tamin'ny zany andro zany aveo ninday fagnatitry teo amin'ny lehy sampy, ary niravo tamin'ny asan-tagnany zareo. 42Nitodiky Zagnahary avakeo nagnambaila zareo mbô ho fideragna reo lakintagna egny an-dangitry, araka ny voasaoratra tao amin'ny bokin'ny mpagnazary: "Areo moa nanôlotro zaho biby maty ndraiky fagnatitry nandritran'ny aifapôlo tagno tao antany maty, tragnon'Israely?43Nikehinareo ny tabernakelin'i Moloka ndraiky ny lakitan-Janahary Refana, ndraiky reo sary zay natanareo hideragna azy, aveo zaho nitondra areo akagny hafan'ny Babylona."47Fao Solomona no nagnamboatra tragno ho nihin-Jagnahary. 48Na zany aby, ny taigna Agnambo dia tsy nibidôko tao amin'ny tragno vita tamin'ny tagnagna, araka ny nikoragnin'ny mpagnazary: 49 "Ny langitry no dabilio fiandriagnako, avakeo ny tany no fidaohan-kongotro. Tragno karaha ino no afaka hamboarinao ho nihinaha? Hoizy ny Tompo, na toairagna karaha ino no hitsaharako? 50Tsy tagna naha moa nitsabo reo raha jiaby reo?54Ary koafa naharegny reo raha reo ny mpiômbogno akao amin'ny filan-kevitry, tôhigny ny fôn-jareo, aveo nihidy vazagna zareo tamin'ny Stefana. 55Fao izy, zay feno Fagnahy Masigny, nizaha tsara ny langitry ary nahita ny vogninahitry Zagnahary, ary nahita Jesôsy nitsangagna teo an-kaherin-Jagnahary. 56Stefana nivaolagna nagnajao: "Zahavo, hitako misaokatra reo langitry, aveo ny Zanak'ôlogno mitsangagna eo ankaherin-Jagnahary."57Teo amin'ny zany dia nibadan-jareo mpiômbogno ao amin'ny filan-kevitry ny sôfigny n-jareo, avakeo nangaiky nakatra tamin'ny feo agnambo, nilomoay zareo nagnegny aminazy. 58Nitaritin-jareo ambailan'ny Tanàgna izy ary nanomboko nanopy vato azy zareo, ary reo antomoa dia nagnambaila ny lambany teo amin'ny hongony lehy zaza lalahy antsôvigny Saoly.Chapter 8
1Nagneky ny fahafataisany i Saoly. Kay nanomboko tamin'io andro io ny fagninjaihagna gaida hanohairagna ny fiangonagna zay tao Jerosalema; areo reo mpino jiaby dia niparitaka nagnairagna reo faritry Jodia ndraiky Samaria, hafan'ny reo apostoly. 2Reo lalahy matahotro Zagnahary dia nandevigny i Stefana ary nagnano hira fisaonagna azy. 3Fao Saoly nandratra tatôbe ny fiangonagna; nitety tragno izy aveo nalaka reo lalahy ndraiky reo vaiavy, ary nandaifa zareo tagny an-tragno mahizigny.4Fao reo mpino zay niparitaka dia nandaiha nitory ny vaolagna. 5Filipo dia nijôtso tagny amin'ny tanàgna gaidan'ny Samaria aveo nitory i Kristy tamin-jareo.6Koafa naharegny ndraiky nahita reo famantaragna zay nitsabon'i Filipo ny vahoaka maro, dia nifantoko tsara tamin'ny zay nivolagniny zareo.7Reo fagnahy maloto dia niboaka tamin'ny reo maro zay nidirany, nangaiky mafy, avakeo maro tamin'ny reo malemy ndraiky misy antsa no nahivagna.8 Noho zany dia nisy haravoagna gaida tao an-tanambe.9Fao nisy lalahy araiky nantsôvigny hoe Simona tao an-tanambe, zay voh nalaky aveo nisaoma aôdy; mazagna nampivariagna reo vahoakan'ny Samaria izy, koafa mivaolagna fao izy dia ôlogno manan-kaja. 10Reo Samaritana jiaby, manomboko amin'ny taigna hely zisiky amin'ny lehy taigna gaida, dia nitandregny tsara azy; aveo hoizy zare: "Io lalahy io lehy fahefan-Jagnahary zay antsôvigny hoe Gaida." 11Zareo nitandregny azy, satria izy nampivariagna zareo afa nandritry ny fotoagna haila tamin'ny reo aôdiny.20Fo hoizy Petera taminazy: "Ho levogno miaraka aminao ny vaolafôtsinao, satria anao nieritreritry hahazo fagnomaizan-Jagnaghary amin'ny alalan'ny vaola. 21Anao dia tsy managna anjara na ampahany amin'ny zany raha zany, satria ny fônao tsy marigny amin-Jagnahary. 22Noho zany mibaibaha amin'ny faharatsiagna, ary mivavaha amin'ny Tompo, tsaha mbô mety hamaila ny fagnirian'ny fônao Izy. 23Fao zaho mahita fao anao voapoizin'ny lôlom-pô ndraiky voafehin'ny fahotagna anao."24Simona namaly aveo nivaolagna nagnanjao: "Mivavaha amin'ny Tompo hoanaha, mbô tsy hisy havoa zaho reo zay nivolagninao."25Koafa nitsangagna antomoa ndraiky nagnambara ny vaolagna ny Tompo zareo, dia nimpôdy tagny Jerosalema i Petera ndraiky Jaona, nitory vava maharavo tamin'ny reo tanàgna maro ao Samaritana.26Ary nisy anjelin'ny Tompo nikoragna tamin'i Filipo sady nivaolagna nagnanjao: "Mitsangàna aveo mamdihana magnatsimon'ny lalagna mijôtso avy akagny Jerosalema magnagny Gaza. 27("Io lalagna io dia akagny an-tanimaty.) Dia nitsangagna izy ary nandaiha. Tô, nisy lalahy avy akagny Etopia, tandapan'ny Kanadasy, mpanjaka vavin'ny reo Etiopiana. Izy no niandraikitry ny hariagnany jiaby. Tonga tagny Jerosalema izy mbô hidaira.28 Ary nôdy izy kay nipaitraka teo amin'ny kalesiny, aveo namaky ny vaolagna Isaia mpagnazary.29Ary lehy fagnahy nivaolagna tamin'i Filipo: "Mandihiana ary aza miala lavitry io kalesy io." 30Kay nilomoay nagnatogno azy izy, aveo naharegny azy namaky teny tao amin'ny Isaia mpagnazary aveo nivaolagna nagnanjao: "Azonao moa io vakina io?" 31Nivaolagna lehy Etompiana nagnanjao: "Akôry no hahaizako, raha tsisy ôlogno mitari-dalagna zaho?" Niangavy Filipo izy mbô hagnatogno kalesy aveo hantotry hiaraka aminazy.32Ary ny an-dalantsaoratra masigny zay nivakin'lehy Etopiana dia nagnanjao: "Nindesinao ho vonogny karaha ondry izy, aveo tôrotro zank'ondry möa eo agnatraihan'ny mpagnety azy, noho zany tsy nisaoka-bava izy.33 Fao tamin'ny fagnalam-baraka azy dia nalagna taminazy ny rariny. Zôvy no afaka hamaritry tatôbe reo tamingany? Nohon'ny aigny nalagna teto an-tany."34Noho zany dia nagnontany lehy tandapa Filipo, nagnanjao: "Miangavigny aminao zaho, zôvy no koragnin'io mpagnazary io, ny haigniny faogna moa sa ôlon-kafa?" 35Nanomboko nivaolagna Filipo, avakeo nanomboko tamin'ny zany saoratra masigny zany no nitoriany ny vava maharavo mahakasiky Jesôsy taminazy.
Chapter 9
1Fao Saoly, dia mbôla nivaolagna fandrahaonagna faogna egny fao na zisiky amin'ny famonoagna manohitry reo mpiantra ny Tompo aby, nandaiha tagny amin'ny mpisôrogno be2ary nagnontany zareo taratasy hoan'ny reo Synagoga tao Damaskosy, kay raha mahita na zôvy na zôvy amin'ny lalagna nazy izy, na lalahy na vaiavy, dia ndesigny hitadiagna akagny Jerosalema zareo.5Saoly namaly nagnanjao: "Zôvy anao, Tompo?" Hoizy Tompo: "Zaho no Jesôsy zay injehinao, 6fao mitsangàna, midira ao amin'ny tanàgna, aveo ho volagniky aminao zay tsy maintsy hitsabonao." 7Ny lalahy zay niara-dià tamin'i Saoly dia nitsangagna tsy nahavaolagna, naharegny feo fao tsy nahita na zôvy na zôvy.8Nitsangagna avy tamin'ny tany Saoly, aveo koafa nanaokatra masony izy, dia tsy afaka nahita na ino na ino izy, kay nindesin-jareo tamin'ny tagnany izy aveo nindesigny tagny Damaskosy. 9Tsy nahita izy nandritry ny telo andro, ary tsy nihinagna izy sady tsy nigiaka.17Kay lôsogno Ananiasy, ary niditry tao amin'ny tragno. Namaitraka ny tagnany teo aminazy, dia nivaolagna izy: "Rahalahy Saoly, ny Tompo Jesôsy, zay niboaka taminao tegny an-dalagna koafa nandaiha tatoy anao, no nandaifa zaho tatoy mbô mety hahitavanao ary ho feno ny Fagnahy Masigny.''18 Samby teo dia raha tôrotro ny sisin-dako no nihaindaka samby teo amin'ny mason'i Saoly, aveo nahita izy; nitsangagna izy ary nitsabogny Batisa;19ary nihinagna izy kay nahazo angôvo. Nibidôko niaraka tamin'ny reo mpianatra tao Damaskosy nandritry ny andro maro izy.20Samby teo dia nagnambara Jesôsy tao amin'ny Synagoga izy, nivaolagna fao Izy no Zanaka Zagnahary. 21Zay jiaby naharegny azy dia gaga ary nivaolagna nagnanjao: "Tsy io ôlogno io moa namono reo tagny Jerosalema zay nagnantso tamin'io agnaragna io? Tonga teto izy mbô halaka zareo ho tadiagna hoagny amin'ny mpisôrogno be." 22Fao nanjary nahay nahery i Saoly, aveo nampijaly jiosy zay nipaitraka tao Damaskosy kay nagnaprofo fao Jesôsy no Kristy.23Tafaran'ny andro maromaro, niara-nitsabo tetiky mbô hamono azy reo Jiosy.24Fao nanjary hain'i Saoly ny tetiky zareo. Ary niambigny tamiagna andro aman'aligny mbô hamono azy zareo.25Fao nangala azy tamin'ny aligny reo mpianany aveo nagnambaila azy hijôtso tamin'ny rimba, nampijôtso azy tao agnaty harogno.26Koafa homby teo Jerosalema izy dia nagnandragna ny hagnatogno reo mpianatra i Saoly, naifa natahotro azy jiaby reo, tsy nino fao mpianatra izy.27Fao nalaka azy Barnabasy aveo ninday azy teo amin'ny reo apostoly, aveo nivaolagna tamin'ny reo izy hoe akôry no nahitavan'i Saoly ny Tompo tegny an-dàlagna ndraiky nivolagnan'ny Tompo taminazy, aveo akôry no nitorian'i Saoly am-pahasakiagna tamin'ny agnaran'i Jesôsy tao Damaskosy.28Nitratro taminjareo izy koafa niditry aveo niboaka Jerosalema. Nivaolagna am-pahasakiagna tamin'ny agnaran'i Jesôsy Tompo izy 29ary niady hevitry niaraka tamin'ny reo Jiosy Grika; naifa mbôla niaizaka ny hamono azy faogna zareo.30Koafa hain'ny reo rahalahy zany, dia nindesinjareo nijôtso tagny Kaisaria izy aveo nalaifany hoagny Tarsosy izy.33Nahita ôlogno antsôvigny hoe Aenasy tao izy, zay afa teo am-pandriagnany nandritry ny valo tagno, satria nalemy izy. 34Petera nivaolagna taminazy nagnanjao: "Aenasy, mapahivagna anao Jesôsy Kristy. Mitsangàna aveo amboaro ny fandriagnanao,'' ary niaraka tamin'ny zay dia nitsangagna izy. 35Fao zay jiaby nibidôko tao Lyda ndraiky Sarona dia nahita ny lalahy kay nitodiky tamin'ny Tompo zareo.36Aveo nisy mpianatra araiky atnsôvigny tabita tao Jopa, zay adika: "Dorkasy." Nagnano asa tsara maro vaiavy io ary nagnano fagnampiagna feno asa fiantragna zay nitsabony hoan'ny mijaly. 37Tamin'ny reo andro reo narary izy aveo maty; koafa nagnasa azy zareo, dia napaitraka zareo tao amin'ny efitragno agnambo izy.38Satria afa narikitry Lydia i Jopa, avakeo naharegny reo mpianatra fa tao Petera, dia nandaifa ôlogno aroa tagny aminjareo, niangavigny azy: "Tongava moa akagny aminay tsisy hatak'andro." 39Nitsangagna Petera ary nandaiha niaraka taminjareo. Koafa tonga izy, dia ninday azy tao amin'ny efitry agnambo zareo, aveo ny mpitondra taigna jiaby nitsangagna tankilany nitomoagny, nagnaboaka azy ankanjo ndraiky ny lamba zay nitsabon'ny reo Dorkasy tamin'izy niaraka taminjareo.40Nalaifan'i Petera tagny ambailan'ny efitry izy jiaby, nandongoalitry, ary nivavaka; avakeo nitodiky tamin'ny lehy razagna, nivaolagna izy nagnanjao: "Tabita, mitsangàna."41Dia nanaokatra masony izy aviteo, ary nahita Petera izy dia niarigny. Avakeo nanôlo-tagnagna azy Petera ary nampitsangagna azy; ary koafa nagnantso reo mpino ndraiky reo mpitondra taigna izy, dia naboakany taminjareo ny fahavilaomany.42Nanjary hay nagnairagna Jopa jiaby zany raha zany, aveo ôlogno maro no nino ny Tompo.43 Tamin'ny zany Petera dia nidôko andro maromaro niaraka tamin'ny lehy lalahy araiky antsôvigny hoe Simona tao Jopa, zay mpandoko hôditry.Chapter 10
1Ary nisy lalahy araiky tao amin'ny tanagnan'ny Kaisaria, ata hoe konelio, kapitenin'ny reo antoko Miaramila Italiana.2 Lalahy mpivavaka izy, lehy araiky zay midaira Zagnahary miaraka amin'ny fianakaviany jiaby; nagnamia vaola maro reo zay tao agnatin'ny tsy fahampiagna izy, ary nivavaka lalandava tamin-Jagnahary.7Koafa lôsogno lehy anjely zay nikoragna taminazy, dia nagnatso ny aroa tamin'ny mpanompony tao an-tragnony i Kornelio, aveo miaramila mpivavaka araiky tamin'ny reo zay nanompo azy. 8Kornelio nagnambara taminjareo zay jiaby nitranga avakeo nandaifa zareo tagny Jopa.13Dia nisy feo nivaolagna taminazy nagnanjao: "Mitsangàna, Petera, mamono aveo mihinàna." 14Fao Petera nivaolagna nagnanjao: "Tsia, Tompo; fao mbôla tsy nihinagna raha zay voarara ndraiky tsy madio velively zaho." 15Naifa tonga taminazy fagnindroany ndremandaiha lehy feo nagnanjao: "Zay nidiovin-Jagnahary, dia tsy antsôvigny hoe fady." 16Niboaka in-telo zany; ary teo lehy fikajiagna dia nimpôdy nakatra samby teo tagny an-dangitry.17Ary koafa very hevitry mahakasiky ny dikan'ny lehy fahitagna zay hitany Petera, tô, reo lalahy zay nalaifan'i Kornelio nitsangagna nagnoloagna tamiagna, aveo zareo nagnontany zay lalan-jareo magnao an-tragno.18Dia nagnantso zarel avakeo nagnontany Simona, nantsôvigny faogna koa hoe Petera, zay nijanogno teo.19Raha mbôla nieritreritry mahakasiky lehy fahitagna Petera, nivaolagna tamin'ny Fagnahy nagnanjao: "Tô, lalahy telo no mizaha anao. (Fagnamarihagna: Ny amin'ny dikan-teny talaoha nagnanjao: "Lalahy aroa no mitady anao'' na ''misy lalahy sasantsasany mitady anao.) 20Mitsangàna aveo mijotsoà kay miaraha amin-jareo. Aza misalasala miaraka aminjareo, satria zaho no nagnandaifa zareo. 21Aveo Petera nijôtso tagny amin'ny reo lalahy reo kay nivaolagna nagnanjao: "Zaho lehy zahavanareo. Ino antony navianareo?"22Hoizy zareo: "Ny kapiteny antsôvigny hoe Kornelio, lalahy marigny ary ôlogno zay midaira Zagnahary, aveo tsara laza akagny amin'ny firenenen'ny Jiosy jiaby, zay nikoragnin'ny anjely masin-Jagnahary mbô halaka anao hoagny an-tragnonazy, noho zany dia afaka mitandregny ny hafatra avy aminao izy.''23 Dia nagnasa zareo hiditry ndraiky hijanogno hiaraka aminazy Petera. Ny amaraigny igny nitsangagna izy kay niaraka taminjareo, avakeo ny sasany tamin'ny reo rahalahy avy akagny Jopa dia nagnaraka azy.27Raha mbôla nikoragna niaraka taminazy i Petera, niditry izy ary nahita ôlogno maro niara-nivôry. 28Hoizy izy tamin-jareo: "Ny haigninareo mahay fao tsy ara-dalà amin'ny Jiosy ny miara-miasa na mamangy ôlogno avy amin'ny firenena hafa. Fao Zagnahary nahiregny taminaha fao tsy tôkony hagnantso ôlo-pady na tsy madi zaho. 29Zany no antony nahatongavako tsisy fanakatsakanagna, koafa nirahiny zaho. Kay magnontany areo zaho magnanjao nagino areo magniraka zaho."39Atsika antomoan'ny reo raha vitan'i Jesôsy jiaby, tagny amin'ny tanin'ny Jiosy ndraiky tagny Jerosalema. Nivonon-jareo izy tamin'ny alalan'ny fagnantaogna azy teo amin'ny kakazo, 40fao Zagnahary nanangagna azy tamin'ny andro fahatelo aveo nagnano zay hahitagna azy, 41tsy reo ôlogno jiaby, fao reo antomoa zay voafidin-Jagnahary mialaoha-tamintsika zay nihinagna ndraiky nigiaka niaraka taminazy tafaran'ny nitsanganany tamin'ny maty.46Fao regnin-jareo reo Jentilisa zay mivaolagna amin'ny reo fivolagnagna hafa ndraiky mankalaza Zagnahary. Dia namaly Petera:47 Moa misy ôlogno afaka mitagna rano mbô tsy hanaovagna batisa zareo, reo ôlogno zay nalaka ny Fagnahy Masigny karaha atsika koa? 48Dia nagniraka zareo mbô ho tsabogny batisa amin'ny agnaran'i Jesôsy Kristy izy. Aviteo nangataka azy zareo mbô hibidôko hiaraka amin-jareo mandritry ny andro vitsivitsy.Chapter 11
1Ary reo apostoly ndraiky reo rahalahy zay tagny Jodia naharegny fao reo Jentilisa faogna koa nalaka Vaolagna Zagnahary.2Koafa nakatra tagny Jerosalema Petera, reo zay tao amin'ny antokony reo voafora dia nanakagna azy; 3hoizy zareo: "Anao nikambagna niaraka tamin'ny reo lalahy tsy voafora sady nihinagna niaraka taminjareo!"4Fao Petera nanomboko nagnazava ny raha nisy taminjareo tamin'ny antsipiriany; hoizy izy nagnanjao: 5"Nivavaka tagny amin'ny tanàgnan'ny Jopa zaho, aveo nahita fahitagna ny amin'ny fisin-draha araiky zay nijôtso, karaha lamba gaida nahidigny avy akagny an-dangitry tamin'ny reo zôrony aifatra zaho. Nijôtso taminaha zany. 6Niatriky zany zaho avakeo nandinindiniky mahakasiky zany. Nahita reo biby manan-kongotro aifatra ny tany, reo biby dia, reo biby mandady, ary reo vôrogno egny amin'ny langitry zaho.15Raha voh nanomboko nivaolagna taminjareo zaho, ny Fagnahy Masigny tonga taminajareo, karaha ny nijotsoany taminay tagny am-boalaohany. 16Tsaroako ny vaolagna Tompo, ny nivolagniny nagnanjao: "Jaona nitsabo batisa tamin'ny rano tatô be; fao areo mila tsabogny batisa ao amin'ny Fagnahy Masigny."22Reo vava mahakasiky zareo dia tonga tegny an-tsôfignin'ny fiangonagna tao Jerosalema, ary zareo nagniraka Barnabasy zisiky Antioka.23 Koafa tonga izy kay nahita fagnomaizan-Jagnahary, dia ravoravo izy; ary izy nampahery azy jiaby mbô hibidôko miaraka amin'ny Tompo amin'ny fônjareo jiaby.24Satria izy lalahy tsara salakady feno Fagnahy Masigny ndraiky finoagna, ary ôlogno maro no nisôsoko hoan'ny Tompo.25Dia nandaiha nagnagny Tarsosy i Barnabasy mbô hizaha Saoly. 26Koafa hitany izy dia nindesiny tagny Antioka. Aveo nandritra ny herintaogno piky zareo niara-nivôry tamin'ny fiangonagna aveo nampianatra ôlogno maro. Reo mpianatra dia nantsôvigny hoe kristiana tao Antioka.27Ary tamin'ny zany dia nisy mpagnazary maromaro nijôtso avy tagny Jerosalema nagnagny Antioka. 28Araiky taminjareo, i Agabo no agnantsaovagna azy, nitsangagna ary notoroin'ny Fagnahy fao hoisy silagno gaida hisy magnairantany. Nisy zany tamin'ny andron'i Klaodio29Noho zany, reo mpianatra, araka ny fahafahan'ny tsiaraikiaraiky aby, dia nanapa-kevitry ny hagnandaifa fagnampiagna hoan'ny reo rahalahy tagny Jodia. 30Nagnano zany zareo; Nagnandaifa vaola hoan'ny reo sojabe zareo tamin'ny tanagnan'i Barnabasy ndraiky Saoly.Chapter 12
3Ary koafa hitany fao naharavo reo Jiosy zany, dia nagnano zay hanambaoragna Petera koa izy. Zany dia nandritry ny andron'ny môfo tsisy masimasigny.4Koafa avy nisambôrigny izy, dia natany tagny an-gadra izy ave nanendry miaramila aifafatra toko hiambigny azy, nikasa hinday azy eo amin'ny ôlogno afaran'ny Paska izy.5Noho zany dia nitanagna tan-gadra Petera, fao ny vavaka dia nitsabony reo zay tao ampiangonagna taigna mafy tamin-Jagnahary aminazy. 6Ny aligny alaohan'ny hindaisan'i Heroda azy hitsaraigny, Petera nandry teo agnailagnailan'ny miaramila aroa, voatady tamin'ny tady aroa, raha mbôla nijanogno niambigny fonja ny mpiambigny telo alaohan'ny tamiagna.7Tô, nisy anjelin'ny Tompo niboaka tampoko teo nariny azy, avakeo nisy hazavagna nangilangilatra tao agnatin'ny hefitry fonja. Namboko Petera teo amin'ny ilany izy avakeo nagnonjogno azy kay nagnanjao: "Mitsangàna malaky," ary reo tadinazy niala tamin'ny tagnany. 8Ny anjely nivaolagna taminazy nagnanjao: "Anaovy lamba ny haigninao avakeo atôvy kiraronao." Dia natan'i Petera araka zany. Ny anjely nivaolagna taminazy nagnanjao: "Atôvy ny akanjona ambailany ary magnaraha zaho."9Dia nagnaraka lehy anjely Petera ary niboaka. Tsy hainy fao reo zay nitsabon'ny anjely dia taigna izy. Nihevitry izy fao nahita fahitagna.10 Koafa avy nadalo teo amin'ny mpiambigny voalaohany ndraiky faharoa zareo, dia tonga teo amin'ny tamiagna vy zay mitondra mankagny amin'ny tanàgna; nisaokatra hoazy tamin-jareo zany. Niboaka zareo aveo nijôtso tamin'ny lalagna araiky, ary lehy anjely niala azy sambite.13Koafa nagnonkogno tam-baravaragna izy, nisy mpanompo vaiavy araiky antsôvigny hoe Roda tonga namaly.14 Koafa hainy ny feon'i Petera, tamin-Karavoagna dia tsy nahavita nanaokatra tamiagna izy; fao ndraiky, nandaiha nihazakazaka nandaiha an-tragno izy, nikoragniny fao Petera nitsangagna antamiagna.15Dia nivaolagna taminazy zareo fao: "Laifaka anao." Fao nihizingizigny izy fao zany no izy. Nivaolagna zareo: "Ny anjeliny zany."16Fao Petera nanôhy nagnonkogno, aveo koafa nisokoafin-jareo tamiagna, dia nahita azy zareo aveo gaga.17Petera nagnetsiky tagnany taminjareo mbô hangigny, aveo nivolagniny tamin-jareo ny fomba nindaisan'ny Tompo azy niboaka fonja. Hoizy izy: "Volagno akagny amin'i Jakoba ndraiky reo rahalahy zany raha zany." Dia niala izy ary nandaiha tagny tamin'ny toairagna hafa.20Ary Heroda vingitry mafy tamin'ny vahoakan'i Tyra ndraiky Sidona. Niara-nagnagny aminazy zareo. Nandresy lahatra Blasto zareo, lehy mpagnampin'ny mpanjaka, mbô hagnampy zareo. Dia nangataka fihavanagna zareo, satria ny tanàgnan-jareo dia mandray ny hanigny avy amin'ny mpanjakan'ny tanàgna. 21Tamin'ny andro voatôndro Heroda dia nampiankajo ny haigniny ankanjony mpanjaka aveo nidôko teo amin'ny dabilao fiandrianana; nikabary tamin-jareo izy.22Nangaiky ny vahoaka: "Zany dia feon-jagnahary, fao tsy nihin'ôlogno!" 23Samby teo nisy anjelin'ny Tompo namely azy; satria tsy magnamia vogninahitry Zagnahary izy; nihoan'ny hankagna izy dia maty.Chapter 13
6Ary koafa namakivaky nôsy araiky jiaby magnagny Pafosy zareo, nahita mpagnano aôdy, zay mpagnazary Jiosy sandoko, ary ny agnarany dia Bara Jesosy.7Mpagnano aôdy zay niara-niasa tamin'ny reo governora, Serjio Paolosy, zay lalahy taigna mahay. Nisambôrigny lalahy io Barnabasy ndraiky Saoly, satria te hagnaboaka vaolagna Zagnahary izy. 8Fao Elimasy "Mpagnano aôdy" (zany no nandikagna ny agnarany) nanohitry zareo; ary niaizaka ny hagnôdigny ny governora hiala amin'ny finoagna izy.19Ary koafa avy nandrava firenena fito tagny amin'ny tany Kanana izy, dia namaizany vahoakantsika ny tanin-jareo mbô ho laova. 20Zany raha jiaby niboaka zany afa tamin'ny faha dimampôlo ndraiky aifa-jato taogno. Tafaran'ny zany raha jiaby zany, Zagnahary nagnamia mpitsara zareo mandra-piavin'i Samoela mpagnazary.23Fao avy amin'ny tamingan' lalahy io no hindaisan-Jagnahary mpagnavotro Israely, dia Jesôsy, araka zay afa nampanantenainy tsabogny.24Nanomboko niboaka zany, talaohan'ny nahatongavan'i Jesôsy, Jaona nagnambara voalaohany tamin'ny vahoakan'Israely jiaby mahakasiky batisan'ny fibaibahagna.25 Satria Jaona afa nahavita ny asany, dia hoizy izy: "Zôvy no hieritreretinareo zaho? Tsy zaho lehy Izy. Fao tandrignaiso, hoisy araiky hoavy afarako, ary ny kiraron'ny tongony tsy hagnaiva zaho ny hamaha azy.26Oa rahalahy, zanaka avy amin'ny tamingan'ny Abrahama, ary zay midaira Zagnahary jiaby eo aminareo, hoantsika no nandifasany zany hafatra mahakasiky famonjiagna zany.27Fao reo zay mibidôko akagny Jerosalema, ndraiky ny mpitondran-jareo, dia tsy nahay azy, kay tantairaka njareo ny nambaran'ny mpagnazary zay vakigny isan- tsabata ny amin'ny fagnamelaohagna azy.28Na dia tsy mahita antony tsara hamonoagna azy aby zareo, dia nangataka tamin'i Pilato faogna mbô hamono Azy.29 Koafa tantairaka njareo ny raha jiaby zay voasaoratra mahakasiky Azy, dia nampidirinjareo tagny amin'ny kakazo Izy aveo nampandregny tampasagna.32Noho zany zahay mivaolagna aminareo ny vava maharavo zay nampanantenain-Jagnahary tamin'ny Iadantsika zay afa haifany hoantsika, 33zanaka njareo, tamin'ny nananganany Jesôsy. Araka zay afa voasaoratra ao amin'ny Salamo faharoa magnanjao: 'Zanako Anao, niany dia hanjary Iadanao Zaho.'34 Ny antony nananganagna azy tamin'ny maty dia ny mbô tsy haharatra bariky dintany ny vatany, Zagnahary nivaolagna nagnanjao: 'Hamaizako areo ny fitahiagna masigny ndraiky azo antoko nampanantenaigny Davida.'40Kay mitandraima mbô tsy hiboaka aminareo zay raha nivolagnin'ny mpagnazary magnanjao: 41"Tô, areo mpagnano tsinotsinona, ho gaga ary ho levogno. Fao Zaho magnano asa amin'ny andronareo, Asa zay tsy ninoanareo velively, na dia misy ôlogno nagnambara zany aminareo aby."46Fao Paoly ndraiky Barnabasy nivaolagna am-pahasakiagna aveo nagnambara: "Ilaigny ho voavaolagna aminareo alaoha ny vaolagna n-Jagnahary. Fao koafa manosiky zany areo aveo mihevitry ny haigninareo ho tsy magnaiva ny fiainagna bariky dintany, dia tô, himpôdy akagny amin'ny jentilisa zahay.47Araka zay afa nandidian'ny Tompo zahay, magnanjao: "Nadôko mbô ho fahazavan'ny Jentilisa areo, zany no tôkony hindaisanareo fagnavaotagna amin'ny reo zay akagny amin'ny fara-vazantany."48Koafa nahiregny zany ny Jentilisa, dia ravo aveo nidaira ny vaolagna Tompo. Avakeo fôntry reo zay voatendry hoamin'ny finoagna ny fiainagna bariky dintany no nino. 49Ary ny vaolagna Tompo niparitaka airaka ny faritry jiaby.Chapter 14
1Ary tamin'ny zany tao Ikonioma Paoly ndraiky Barnabasy niaraka niditry tao amin'ny Synagogan'ny Jiosy kay nikoragna tam-pahavitrihagna aveo ny vahoaka maro Jiosy ndraiky Grika nino. 2Fao Jiosy zay tsy nankatô ndraiky dia nagnakoratagna ny fisaignan'ny Jentlisa kay nahatonga zareo hanohitry reo rahalahy.5Koafa nagnandragna nandresy lahatra ny mpitariky zareo ny Jentlisa ndraiky Jiosy mbô hamono aveo hanopy vato Paoly ndraiky Barnabasy, 6dia nanjary nivôny zareo ary nilaifa nalaky tao an-tanàgnan'ny Lykaonia, Lystra ndraiky Derbe, aveo reo tanàgna mangôlotro ny faritry, 7kay tagny zareo no nagnambara vava maharavo.8Nisy lalahy araiky nibidôko tao Lystra, malemy tongotro, rango am-bôkondreniny, zay afa tsy nandaiha letry zay. 9Io lalahy io naharegny Poly nivaolagna. Paoly nagnatriky azy tsara teo amin'ny masony kay nahita fao managna finoagna ny hahivagna izy. 10Koa nivaolagna taminazy izy tamin'ny feo mahery nagnanjao: "Mitsangàna amin'ny hongotroa." Noho ny aviteo lehy lalahy dia nitsambotsamboagna aveo nandaiha teo amin'ny magnodidigny.21Aveo zareo nagnambara vava maharavo tao amin'ny zany tanàgna zany kay nahazo mpianatra maro, nimpôdy tao Lystra zareo, tagny Ikonioma, ndraiky tagny Antiokia. 22Zareo nanôhy nampahery ny fagnahin'ny reo mpianatra aveo nampirisiky azy mbô hanôhy akao amin'ny finoagna, sady nivaolagna fao: "Tsy maintsy amin'ny fahoriagna maro no hidirantsika akao amin'ny fanjakan-Jagnahary."23Koafa nanendry sojabe ho nihinjareo teo amin'ny isam-piangonagna zareo, ndraiky nivavaka tamin'ny fifadian-kanigny, natôlotro njareo ho nihin'ny Tompo zany, zay ninoanjareo.24Dia nandalo tamin'ny Pisidia zareo kay tonga tao Pafilia.25Koafa nagnambara ny vaolagna tao Perga zareo, dia nandaiha nijôtso tagny Atalia.26Avy teo zareo no nandaiha sambo nijôtso hoagny Antokia, zay nazahoan-jareo fahasoavan-Jagnahary hoan'ny asa zay vitan-jareo avaizo.27Koafa homby tao Antiokia zareo ary namôry niaraka ny fiangonagna, dia nitatitry raha jiaby zay haifan-Jagnahary taminjareo, ndraiky hoe akôry no namoahany tamiagnan'ny finoagna aminjareo Jentilisa.28Dia nijanogno fotoagna aila niaraka tamin'ny reo mpianatra zareo.Chapter 15
1Ny ôlogno sasany dia nijôtso avy tagny Jodia zisiky Antiokia aveo nampianatra reo rahalahy, kay nivaolagna nagnanjao: "Raha tsy vita famoragna araka ny fomba fatan'i Mosesy areo, dia tsy ho voavonjy areo."2Zany dia nitondra Paoly ndraiky Barnabasy tao agnaty tsy fifankahazoagna ndraiky ady hevitry tamin-jareo. Noho zany Paoly ndraiky Barnabasy dia voatendry niaraka tamin'ny sasany hafa taminjareo hakatra akagny Jerosalema mbô hitratro amin'ny reo apostoly ndraiky reo sojabe mahakasiky zany fagnontaniagna zany.3Noho zany zareo, nalaifan'ny fiangonagna, dia namakivaky Foinika ndraiky Samaria ary nagnambara ny fiovam-pônjareo Jentilisa. Zareo ninday hafaliagna gaida tamin'ny reo rahalahy jiaby.4Koafa homby tao Jerosalema zareo, dia niraisin'ny fiangonagna ndraiky reo apostoly aveo reo sojabe, kay nitatitry reo raha jiaby zay nitsabon-Jagnahary taminjareo.5Naifa ny ôlogno sasany zay nino, zay tao amin'ny tariky reo Fariseo, dia nitsangagna aveo nivaolagna nagnanjao: "Ilaigny ny magnano famoragna zareo ndraiky mibeko zareo hitandrigny ny lalàn'i Mosesy." 6Noho zany reo apostoly ndraiky reo sojabe dia niaraka nivôry mbô handiniky zany raha misy zany.10Ary noho zany nagnino areo mitsapa Zagnahary, hoe tôkony hambilanareo zioga eo amin'ny vôzogno reo mpianatra naifa na ny razantsika na atsika aby tsy mahavita milanja? 11Naifa mino atsika fao ho voavonjy amin'ny alalan'ny fahasoavan'i Tompo Jesôsy, mitôvy zareo faogna koa."12Ny ôlogno jiaby dia nitagna fahanginagna nandritran'ny nitandrignaisanjareo Barnabasy ndraiky Paoly mitatitry reo famantaragna ndraiky reo fahagagagna niasan-Jagnahary zay niasa tamin'ny reo Jentlisa tamin'ny alalan-jareo.13Koafa avy nijanogno nikoragna zareo, dia namaly Jakoba nivaolagna nagnanjao: "Oa rahalahy, tanidrignaiso zaho.14 I Simeona dia afa nagnambara ny fomba nampianarin-Jagnahary tam-pahasoavagna voalaohany reo Jentilisa mbô halaka aminjareo ôlogno ho amin'ny agnarany.15Reo koragnan'ny reo mpagnazary dia mahakasiky zany, araka ny voasaoratra magnanjao: 16'Afaran'ny reo raha reo dia himpôdy zaho, avakeo hanangagna indraiky ny tragno lain'i Davida zaho, 17zay afa lavo; Hagnamboatra aveo hagnampôdy amin'ny naniny indraiky reo faharatrany zaho, mbô hitady Tompo reo ôlogno tavaila, ao agnatiny zany reo Jentilisa jiaby zay antsôvigny amin'ny agnarako.'18Zôvy no nivolagnan'ny Tompo, reo zay afa nagnano reo raha reo zay afa hay tamin'ny reo razambe fahiny. (Fagnamarihagna: Reo dikan-teny sasany talaoha dia mivaky karaha zao: "Zao no nivolagnin'ny Tompo, aminjareo zay hay tamin'ny andro fahigny ny asany jiaby.)19Noho zany, ny hevitry naha dia, tsy tôkony hagnakorontagna reo avy amin'ny Jentilisa zay nitodiky tamin-Jagnahary atsika.20Fao atsika hanaoratra amijareo fao tsy maintsy miala amin'ny fahalotoan'ny reo sampy zareo, amin'ny fahavaitavaitagna, aveo amin'ny hainan'reo bibi voakainda, ndraiky amin'ny lin-jareo.21Satria Mosesy dia afa nikoragnigny tamin'ny isan-tanàgna tamin'ny andro fahiny avakeo izy dia vakigny ao amin'ny reo Synagoga isaky ny Sabata."22Dia karaha tsara amin'ny reo apostoly ndraiky reo sojabe, niaraka tamin'ny fiangonagna jiaby, ny hifidy Joda zay antsôvigny hoe Barnabasy, ndraiky Silasy, zay mpitariky fiangonagna, sady hagnandaifa zareo akagny Antokia miaraka amin'i Paoly ndraiky Barnabasy.23Zareo dia nanaoratra toy: "Rango amin'ny reo apostoly ndraiky reo sojabe, reo rahalahinareo, zisiky amin'ny reo rahalahy avy akagny Jentily akagny Antiokia, Sira, ary Kilikia: Arabia!24Atsika dia afa nahiregny fao reo ôlogno sasany dia niala tamintsika, tsisy beko avy amintsika, aveo nagnelingeligny areo tamin'ny reo fampianaragna zay nampikorontagna ny fagnahinareo.25Zao no izy, zahay jiaby dia afa nagneky ny hifidy reo lalahy ndraiky hagnandaifa zareo akagny aminareo miaraka amin'i Barnabasy ndraiky Paoly tianay,26 lalahy zay nagnano ny aigniny tsy ho raha ho an'ny agnaran'i Jesôsy Kristy Tompontsika.27Noho zany zahay dia magniraka Joda ndraiky Silasy, zay hivaolagna aminareo io raha io faogna amin'ny koragnan-jareo manaokagna. 28Fao karaha tsara amin'ny Fagnahy Masigny ndraiky aminay, ny tsy hampitondra areo aintagna gaida noho reo raha taigna ilaigny reo: 29mbô hialanareo amin'reo raha nitsabonareo ho fagnatitry amin'ny reo sampy, lio, reo raha voakainda, avakeo avy amin'ny fahavaitavaitagna. Raha mitandrigny ny haigninareo amin'ny zany areo, dia ho tsara aminareo zany. Veloma."39Avakeo nisy tsy fifankazahoagna mafy, kay nisaraka zareo, aveo Barnabasy ninday Marka niaraka taminazy aveo nandaiha Sambo nagnagny Sipra.40 Fao Paoly nifidy Silasy ary nandaiha, tafaran'ny nagnamaizan-jareo rahalahy azy andraikitry hoan'ny fahasoavagna ny Tompo. 41Aveo izy nandaiha namakivaky Syria ndraiky Kilikia, kay nampatanjaka reo fiangonagna.Chapter 16
1Tonga tagny Derbe ndraiky Lystra faogna koa Paoly, avakeo tô, teo lehy mpianatra araiky antsôvigny hoe Timoty, zanaka lalahin'ny vaiavy Jiosy zay nino; Grika ny iadany.2Izy dia tsara laza tamin'ny reo rahalahiny zay tagny Lystra aveo Ikonioma.3 Tian'i Paoly hira-dia aminazy izy; dia nalainy izy avakeo niforàny noho reo Jiosy zay teo amin'ny reo toairagna reo, satria hain'ny izy jiaby fao Grika iadany.4Raha nandaiha namakivaky reo tanàgna maro zareo, dia nanôlotro toromariky hoan'ny reo mpino mbô hankatô ny fampianaragna, zay nisoroatin'ny Apostoly ndraiky ny sojabe tao Jerosalema. 5Kay nahay natanjaka tamin'ny finoagna ny fiangonagna aveo nitômbo isa isan'andro.6Nandaiha namakivaky faritry ny Frygia ndraiky Galatia Paoly ndraiky namany, satria niraran'ny Fagnahy Masigny zareo hagnambara ny vaolagna akagny amin'ny faritry Asia. 7Koafa niditry narikitry Mysia, dia te-handaiha akagny Bitynia zareo, naifa nisakanan'ny Fagnahin'i Jesôsy zareo. 8Kay nandalo tamin'i Mysia, dia nandaiha nijôtso tagny amin'ny tanàgnan'i Troasy zareo.9Nahita fahitagna Paoly tamin'ny aligny: lalahy araiky Makedoniana nitsangagna teo, nagnantso azy aveo nivaolagna nagnanjao: "Avia atoy Makedonia ary avaoty zahay." 10Koafa avy nahita ny fahitagna Paoly, dia nandaiha akagny Makedonia samby teo zahay, nahatsapa fao Zagnahary no nagnantso zahay mbô hitory ny vava maharavo amin-jareo.11Nangantso noho zany avy akagny Troasy, dia nandaiha mahitsy hoagny Samatrakia zahay, avakeo nandaiha Neapolia zahay ny andro magnaraka. 12Avy teo dia nandaiha nagnagny Filipy zahay, zay agnisan'ny tanàgna Makedonia, zay tanàgna bahery manan-danja akao amin'ny faritry ndraiky ny zana-tany Romanina, ary nidôko tao amin'ny zany tanàgna zany nandritra ny andro maro zahay. 13Tamin'ny andron'ny Sabata dia nandaiha tagny ambailan'ny tamiagna narikitry renirano zahay, zay nieritreretinay fao misy toairam-pivavahagna. Nipaitraka zahay aveo nikoragna tamin'ny reo vaiavy zay niaraka homby teo.14Nisy vaiavy araiky atao hoe Lydia, mpivarotro lamba vôlomparasy avy akagny amin'ny tanàgnan'i Tyatria, zay nanompo Zagnahary, nitandregny zahay. Nanaokatra ny fôny ny Tompo hitandrigny ny vaolagna zay nivolagnin'i Paoly. 15Koafa vita batisa izy ndraiky fianakaviagnany, dia nampirisiky zahay izy, nivaolagna nagnanjao: "Raha nitsara zaho ho mahatoky amin'ny Tompo areo dia midira ary midôha ao antragno." Ary nandresy lahatra zahay izy.19Koafa hitany reo tompony fao lôsogno lehy fanantenagna ny amin'ny tômbony ho nihinjareo, dia nisambôrin-jareo Paoly ndraiky Silasy ary nitaritigny zareo andaiha bazary teo agnatraihan'ny reo manam-pahefagna. 20Koafa nitondra zare teo agnatraihan'ny reo mpitsara zareo, dia nivaolagna nagnanjao: "Magnakorotagna tanàgnantsika reto lalahy reto. Jiosy zareo.21Magnambara fombo zay tsy ara-dalàgna hoan'ny Romanina ny magneky na mampihatra azy zareo."25Nagnodidigny misasak'aligny dia nivavaka Paoly ndraiky Silasy ary nihira fideragna Zagnahary, avakeo reo gadra hafa dia nitandregny zareo. 26Tampoko teo nisy horohorontany gaida, kay nampihôzonkôzogno fôtotro ny fonja; aveo nisaokatra samby teo ny vavaravaragna jiaby, ary nivaha ny tadin'ôlogno jiaby.27Taitry tamin'ny tôromas ny mpiambigny tragno mahizigny aveo nahita reo varavaran'ny fonja nisaokatra; nagnaboaka mesony izy kay tsôko hamo taigna, satria nieritreretiny fao nilaifa reo gadra. 28Fao nagnantso tamin'ny feo mafy Paoly, nagnanjao: "Aza mandratra haigninao, satria ato jiaby zahay jiaby."29Nampagnantso jiro lehy mpiambigny tragno mahizigny aveo niditry malaky tagnatiny, nangôrohôro noho ny hamboriagna, niondriky teo agnatraihan'i Paoly ndraiky Silasy, 30ary ninday zareo niboaka aveo nivaolagna nagnanjao: "Tompoko, ino no tsy maintsy tsaboky biaka voavonjy? 31Hoizy zareo nagnanjao: "Minoa Tompo Jesôsy, dia ho voavonjy anao, ana ndraiky ny fianakaviagnanao."32Nitory ny vaolagna Tompo taminjareo, niaraka tamin'ny ôlogno jiaby tan-tragnony.33Avakeo nandray zare tamin'ny aligny tamin'ny fotoagna igny faogna lehy mpiambigny fonja, aveo nanasa bain-jareo, ary izy ndraiky reo jiaby tao amin'ny tragnony araiky jiaby dia nitsabogny batisa samby teo.34Avakeo nivaolagna nakatra tao antragnony Paoly ndraiky Silasy aveo nagnamia hanigny teo agnatraihan-jareo izy, dia niravo tatô be izy niaraka tamin-jareo zay tantragnony, fao afa nino Zagnahary izy.35Ary koafa maraindraigny ny andro, dia nagnandaifa vaolagna tamin-jareo mpiambigny reo mpitsara, nivaolagna nagnanjao: "Ambilao handaiha reo lalahy reo." 36Nitatitry zany vaolagna zany tamin'i Paoly lehy mpiambigny, nivaolagna nagnanjao: "Nampitondra vaolagna taminaha reo mpitsara mbô hagnambaila areo handaiha: noho zany zeo miboaha, avakeo mandihiana am-piadanagna."Chapter 17
1Ary koafa nandalo reo tanàgnan'ny Anfipolia ndraiky Apolonia zareo, dia tonga tao amin'ny tanàgnan'i Tesalonika zareo, zay nisy Synagogan'ny Jiosy.2Paoly, araka ny fomba fatany dia nandaiha aminjareo, ary niady hevitry niaraka tamin-jareo avy akao amin'ny Saoratra Masigny nandritra ny andro Sabata telo.3Nisokoafigny ny Saoratra Masigny aveo nazavaigny fao nilain'i Kristy ny nijaly ndraiky hitsangagna indraiky amin'ny maty. Hoizy Izy: "Io Jesôsy zay volagniky aminareo io no Kristy." 4Resy lahatra ny sasany tamin-jareo jiosy aveo nagnaraka Paoly ndraiky Silasy, agnisan'ny zany reo mpivavaka Grika maro anisa, ary tsy vitsy ny vaiavy mpitariky.5Fao reo Jiosy tsy mpino nentim-pialaognagna dia nangala reo ôlogno ratsy fagnahy avy agny bazary, namôry niaraka ny vahoaka, aveo nampitabataba ny tanàgna. Nanafiky tragnon'i Jasona, te hitondra Paoly ndraiky Silasy hiala vahoaka zareo. 6Fao koafa tsy hitanjareo, dia nitarihin-jareo Jasona ndraiky ny rahalahiny hafa sasany ho eo agnatraihan'ny manam-pahefagnan'ny tanàgna, nitomoagny, "Reto lalahy zay nampitsimbadiky zao tontolo zao reto dia tonga aketo faogna koa.7Reto lalahy zay nampidirin'i Jasona reto dia manohitry ny didin'i Kaisara; mivaolagna zareo fao misy mpanjaka hafa dia Jesôsy."8Voahelingeligny ny vahoaka ndraiky ny manam-pahefagna amin'ny tanàgna koafa naharegny zany raha zany. 9Fao koafa avy eo ny manam-pahefagna nampagnano ndraiky nampagnaifa vaola Jasona ndraiky lambiny mbô ho antoko, aveo zareo navaila handaiha zareo.19Nalaka Paoly zareo aveo ninday azy tao amin'ny Areopago, nivaolagna nagnanjao: "Afaka mamantatra zany fampianaragna vava zay nikoragninao zany moa zahay? 20Fao mitondra raha hafahafa tsy foregnin'ny sôfignay anao. Noho zany, te hahay dikan'ny zany raha zany zahay." 21(Ary ny Atena jiaby ndraiky ny vahiny nipaitraka dia nandany fatoagnany tamin'ny tsisy faogna koa tamin'ny fagnambaragna na fitandrignaisagna mahakasiky ny raha vava.)22Kay nitsangagna teo agnivon'ny Areopago Paoly aveo nivaolagna nagnanjao: "Areo lalahin'i Ateniana, hitako fao taigna relijiozy amin'ny fomba jiaby areo.23Fao raha nandalo zaho aveo nandiniky ny tanjogno ny fomb fanom-poam-pivavahagnareo, dia nahita alitara zaho misy tô saoratra tô: "Ho nihin-Jagnahary Tsy Hay." Ino noho zany no hivavahanareo akao amin'ny tsy fahaizagna, zany no volagniky aminareo.26Avy amin'ny ôlogno araiky no nitsaboany firenena jiaby hoan'ny ôlogno mbô hiaigny eo ambonin'ny tany, namaritry ny vanimpotoagnan-jareo ndraiky nanendry ny tany daohagna aveo ny andro iaignan-jareo, 27kay mbô tôkony hitady Zagnahary zareo, raha koa mety hahatakatra ndraiky hahita Azy zare. Kanaifa mbôla tsy lavitry atsika tsiaraikiraiky aby Izy.32Ary koafa nahiregny ny fitsanganagna amin'ny maty ny ôlogno Atena, dia nagneso Paoly ny sasany; fao ny sasany nivaolagna: "Hitandregny anao ndraimandaiha mahakasiky zany raha zany zahay." 33Tafarany zay, niala zareo Paoly. 34Fao ny sasany tamin'ny ôlogno nagnaraka azy aveo nino, tao agnatin'ny zany Dionysio Aeropagita, vaiavy antsôvigny hoe Damary, ary ny sasany niaraka tamin-jareo.Chapter 18
4Kay niady hevitry tao amin'ny Synagoga isaka ny Sabata Paoly. Nandresy lahatra reo Jiosy ndraiky Grika izy. 5Fao koafa nijôtso avy tagny Makedonia Silasy ndraiky Timoty, dia nidaohan'ny Fagnahy hagnambara amin'ny reo Jiosy fao Jesôsy no Kristy i Paoly. 6Koafa nanohitry ndraiky nagnesoeso azy reo Jiosy, dia nagnaofahaofa lambany tagny aminjareo Paoly kay nagnanjao: "Ho eo amin'ny laohanareo tatô ny linareo; tsy manantsigny zaho. Fao manomboko zao dia hoagny amin'ny Jentilisa zaho."7Dia niala teo izy aveo nandaiha nagnagny an-tragnon'i Titosy Josto, lalahy zay manompo Zagnahary. Ny tragnonazy nariny Synagoga. 8Krispo, mpitariky ny Synagoga, nino ny Tompo, niaraka tamin'ny reo jiaby zay nidôko tao amin'ny tragnonazy; ary maro tamin'ny reo Korintiana zay naharegny mahakasiky zany no nino ndraiky nitsabogny batisa.9Ny Tompo nivaolagna tamin'i Paoly tamin'ny fahitagna ny aligny nagnanjao: "Aza ambory, aveo aza mangigny fao mivolàgna. 10Fao Zaho momba anao, aveo tsy hoisy ôlogno hahazo hagnano ratsy anao, fao managna ôlogno maro amin'ny tô tanàgna tô Zaho.'' 11Nidôko tao herintaogno sy enimbaolagna Paoly aveo nampianatra ny vaolagna Zagnahary teo amin-jareo.12Fao koafa nanjary governoran'ny Akaia i Galio, dia niara-nitsagnagna reo Jiosy hanohitry Paoly kay ninday azy teo agnatraihan'ny toairam-pitsaragna; 13nivaolagna zareo nagnanjao: "Io lalahy io mandresy lahatra vahoaka mbô hanompo Zagnahary zay mifanohitry amin'ny lalàgna.''16Galio nangala zare hiala teo amin'ny sezam-pitsaragna. 17Kay nanambotro Sostena izy jiaby, ny mpanapaka ny synagoga, aveo namboko azy teo agnatraihan'ny toairam-pitsaragna. Fao Galio tsy niraharaha zay nitsabon-jareo.20Koafa nangataka Paoly mbô hijanogno aila aila zareo, dia tsy nagneky izy.21Fao niala zareo izy, nivaolagna nagnanjao: "Mbôla himpôdy atoy zaho raha sitrapôn-Jagnahary zany." Dia nioandragna sambo niala tao Efesosy izy avy teo.22Koafa taraiky tao Kaisaria Paoly, dia nakatra izy kay niarahaba ny fiangonan'ny Jerosalema aveo nijôtso nagnagny Antioky aveo.23Koafa avy nibidôko fotoagna maromaro tao izy, dia nandaiha Paoly kay nitety reo faritry Galatia ndraiky Frygia avakeo nampahery mpampianatra jiaby.24Ary nisy Jiosy araiky nantsôvigny hoe: "Apolosy, tairaka tagny Aleksandria, havy tao Efesosy. Izy nahay nandahi-teny sady nahay tsara ny Saoratra Masigny.25Apolosy nampianarigny tamin'ny fampianaran'ny Tompo. Mahafatra-pô amin'ny fagnahy, izy nivaolagna aveo nampianatra marigny reo raha mahakasiky Jesôsy, kanaifa ny batisan'i Jaona faogna no hainy.26Apolosy nanomboko nivaolagna am-pahasakiagna tao amin'ny Synagoga. Fao koafa naharegny azy Prisila ndraiky Akoila, dia nangala azy hoegny amin'ny sisiny ary nagnazava taminazy taigna marigny ny lalan-Jagnahary.27Koafa nagniry mbô hamakivaky Akaia izy, dia nampahery azy reo rahalahy aveo nanaoratra amin'ny reo mpianatra tao Akaia mbô halaka azy. Koafa tonga izy, dia nagnampy reo zay nino tamin'ny fahasoavagna.28Apolosy nanohitry mafy reo Jiosy tamin'ny ady hevitry ampahibemaso, nagnaboaka tamin'ny alalan'ny Saoratra Masigny fao Jesôsy no Kristy.Chapter 19
1Ary raha mbôla tagny Korinty i Apolosy, dia nandalo tamin'ny firenena agnambo i Paoly ary tonga tao amin'ny tanàgnan'ny Efesosy, aveo nahita mpitsara sasany tao. 2Nivaolagna Paoly taminjareo: ''Nahazo Fagnahy Masigny moa areo koafa nino?" Hoizy zareo taminazy: "Tsia, mbôla tsy naharegny mahakasiky Fagnahy Masigny aby zahay."5Koafa nahiregny zany ny ôlogno, dia nitsabogny batisa tamin'ny agnaran'ny Tompo Jesôsy zareo.6Avakeo koafa namaitraka ny tagnany tamin-jareo Paoly, dia nilatsaka tamin-jareo ny Fagnahy Masigny aveo nivaolagna tamin'ny fivolagnagna hafa ndraiky naminagny zareo.7Teo amin'ny fotoagna aroa ambin'ny fôlo teo ho eo izy jiaby.8Nitsôfotro tamin'ny Synagoga Paoly aveo nivaolagna am-pahasakiagna nandritry ny telo vaolagna, nandresy lahatra ndraiky nampagneky zareo ny mahakasiky fanjakan-Jagnahary.9Fao koafa mafy fô ndraiky tsy nankatô reo Jiosy sasany, dia nanomboko nivaolagna ratsy ny lalagna teo agnatraihan'ny vahoaka zareo. Kay nilahaosany Paoly zareo aveo nindesigny reo mpianatra, nandresy lahatra zareo isan'andro tao amin'ny hefitragno fampianaran'ny Tiraniana.10 Nitôhy nandritry ny aroa tagno zany, kay zay jiaby nidôko tao Asia dia naharegny vaolagna Tompo, ary reo Jiosy ndraiky reo Grika.11Zagnahary nitsabo asa mahagaga tamin'ny alalan'ny Paoly, 12kay na dia reo mosoara ndraiky aron'ankajo zay nikasiky azy aby dia natà tamin'ny marary kay nahivagna ny aretignin-jareo aveo niboaka avy tao aminjareo reo fagnahy ratsy.13Fao nisy Jiosy mpalaka fagnahy ratsy nandaiha tegny an-toairagna. Nagnantso ny agnaran'ny Tompo Jesôsy zareo mbô hanagnanjareo angôvo hanohairagna fagnahy ratsy koafa nivaolagna zareo nagnanjao: "Amin'ny alaln'i Jesôsy zay nambaran'i Paoly, magniraka anao zaho mbô hiboaka.''14Ny mpisorognobe Jiosy mitondra ny agnarany hoe Skeva ary nanan-janaka fito lahy no nagnano zany.15Nisy fagnahy ratsy namaly zareo nagnanjao: "Haiky Jesôsy, aveo haiky Paoly; fao zôvy areo?" 16Ny fagnahy ratsy tao amin'ny lehy lalahy dia nantompy tamin'ny reo mpandroaka devoly avakeo niboaka tao amin'ny lehy tragno nitanjaka aveo naratra. 17Nanjary hainy jiaby zany, ndraiky reo Jiosy aveo Jentilisa, zay nipaitraka tagny Efesosy. Nanjary ambory mafy zareo, kay ny agnaran'ny Tompo Jesôsy dia namiam-bogninahitry.18Aveo koa, maro tamin'ny reo mpino no nagnatogno avakeo nibaibaka ary niaiky raha ratsy zay vitan-jareo.19Maro reo nisaoma aôdy no niaraka ninday bokin-jareo ndraiky nanôndro zany tampahibemason'ny tsiaraikiraiky. Koafa nagnisa ny tômbom-barotro zareo, dia farantsa vaolafôtsy dimy aligny zany.20kay niparitaka tamin'ny fomba matanjaka ny vaolagna ny Tompo.21Ary koafa nahavita ny asa fanompoagna tagny Efesosy Paoly, dia nanapa-kevitry tamin'ny fagnahy izy mbô handalo akagny Makedonia ndraiky Akaia tegny an-dalagna magnagny Jerosalema, nivaolagna izy nagnanjao:"Koafa avy akagny zaho, dia tsy maintsy magnagny Roma faogna koa." 22Paoly nandaifa aroa tamin'ny reo mpagnampy azy andaiha akagny Makedonia, i Timoty ndraiky Erasto, zay nagnampy azy. Fao izy nivaolagna hijanogno fotoagna fohy tagny Asia.26Hitanao ndraiky regninao zany, tsy tagny Efesosy faogna, fao tsôko magnairagna Asia jiaby, io Paoly io nandresy lahatra ndraiky nahatagno ôlogno maro. Mivaolagna izy fao tsisy zagnahary vita tamin'ny tàgnagna.27 Fao nisy loza tsy hoe ny varotro ntsika faogna no tsy ilaigny eky, fao ny tempolin'ny zagnaharim-bavy gaida Diana faogna koa azo dinihigny ho tsisy dikany. Dia mety ho very vogninahitry izy avakeo, izy zay tompoin'ny Asia jiaby ndraiky zao tontolo zao."28Koafa naharegny zany zareo, dia feno havingiragna zareo kay nangaiky mafy, nagnanjao: "Goalahy i Dianan'i Efesosy." 29Feno fifanjevonagna tao amin'ny tanàgna araiky jiaby, aveo niara-nifanaretsaka ho akao amin'ny tragno fanaovagna fampisehoagna an-tsehatra ny vahoaka. Voasambotro njareo reo mpiara-dia tamin'i Paoly, Gaio aveo Aristrako, zay avy akagny Makedonia.30Ti hiditry tao amin'ny reo vahoaka maro Paoly, fao nisakanan'ny reo mpianatra izy.31 Avakeo, ny sasany tamin'ny reo manam-pahefagna tao amin'ny faritry Asia zay namany dia nagnadaifa hafatra nangataka azy mafy tsy hiditry ao amin'ny tragno fanaovagna fampisehoagna an-tsehatra.32Ôlogno sasantsasany no nangaiky raha araiky, aveo nihiny sasany hafa, satria tao agnaty fisahotahagna ny vahoaka. Ny ankabeazanjareo aby tsy mahay aby hoe nagnino zareo niaraka tonga.33Ny sasany tamin'ny reo vahoaka no nagnambara Aleksandra, zay natosiky reo vahoaka ho akagny alaohaka, kay nagnano fihetsiky tamin'ny tagnany i Alesandra, teo hagnamia fagnazavagna amin'ny reo zay nivôry.34Fao koafa nahay zareo fao Jiosy izy, dia nangaiky mafy tamin'ny feo araiky izy jiaby teo amin'ny fotoagna aroa, nagnanjao: "Goalahy ny Artemisin'ny Efesiana.''35Koafa nampangigny vahoaka ny lehiben'ny tanàgna, nivaolagna izy nagnanjao: "Anao ôlon'ny Efesiosy, ôlogno zôvy no teo kay tsy nahay fao ny tanàgnan'ny Efesiana dia mpiambigny tempolin'ny Diana goalahy ndraiky sary zay nilatsaka avy akagny an-dangitry ?36Avakeo hita aveo fao tsy azo lavigny reo raha reo, tôkony hangigny areo kay tsy hagnano na ino na ino tsy am-pihevairagna.37Fao nindesin-jareo aketo amin'ny fitsaragna reo lalahy reo zay sady tsy mpandratra tempoly no tsy mpivaolagna ratsy ny zagnaharim-bavintsika.Chapter 20
4Nagnaraka azy zisiky Asia lavitry akagny i Sopatera zanaka lahin'i Pyro avy akagny Beria; Aristarko ndraiky Sekono, samy avy amin'ny reo mpino Tesalonika; Gayo avy akagny Derbe; Tymoty, ary Tykiko ndraiky Trofimo avy akagny Asia. 5Fao reo lalahy reo afa nandaiha alaohakanay aveo nandigny zahay tagny Troasy. 6Nitikigny sambo niala tao Filipy zahay tafaran'ny andro fihinanagna môfo tsy masigny, aveo tagnatin'ny dimy andro avy tagny amin-jareo tagny Troasy zahay. Ary nidôko tao zahay nandritra ny fito andro.9Teo amin'ny tamian-kely no nipaitraka tô tôvolahy nantsôvigny hoe Eotika, zay latsaka tao agnaty tôromaso. Raha nikoragna taigna naharitry Paoly, tôvolahy io, mbôla nandry, latsaka avy agny amin'ny etazy fahatelo ary koafa naregnigny izy hita fao afa maty. 10Fao Paoly nijôtso, namavatra tagnany tao aminazy, aveo nitôlogno azy. Avakeo izy nivaolagna nagnanjao: "Aza malahelo eky, fao velogno izy."13Atsika lasite no nandaiha alaohan'i Paoly tamin'ny sambo avakeo nandaiha sambo andaiha akagny Aso, fao akagny no kasainay handraisagna Paoly. Zany no fagniriany izy hagniny ho atao, satria nagniry handaiha an-tanety izy.14Koafa nitratro taminay tagny Aso izy, dia nindesinay tamin'ny sambo izy kay nagnagny Mitylena.17Avy akagny Mileto no nandifasany lalahy ho akagny Efesosy ary nampagnantso ny sojaben'ny fiangonagna handaiha aminazy.18 Koafa tonga tao aminazy zareo, nivaolagna taminjareo izy nagnanjao: "Areo haigninareo mahay, zisiky ny andro voalaohany nandiavako Asia, hoe karaha akôry no nandaniako fotoagnako niaraka taminareo.19Zaho nanompo lalandava ny Tompo tamin'ny fanitrian-taigna jiaby ndraiky ranomaso, avakeo tao agnaty fijaliagna no niboaka taminaha zany nohon'ny teti-dratsin'ny reo Jiosy.20Areo mahay fao tsy nitagna fahanginagna tamin'ny fagnambaragna taminareo jiaby zay nilaigny zaho, ndraiky ny fomba nampianarako areo teo amin'ny mason'ôlogno ary tamin'ny isan-tragno,21nitsanganako antomoa teo amin'ny reo Jiosy ndraiky reo Jentilisa mahakasiky ny fibaibahagna amin-Jagnahary ndraiky ny finoagna ao amin'i Jesôsy Tompontsika.28Noho zany tandremo ny mahakasikin'ny haigninareo, ndraiky mahakasiky reo ondry jiaby zay nambailan'ny Fagnahy Masigny areo. Mitandraima amin'ny mpiambigny ondrin'ny fiangonan-Jagnahary, zay nividiny tamin'ny liny zeraiky. (Fagnamarihagna: koa raha aohatra "Tamin'ny liny zeraiky" ny amin'ny antontataratasy fahiny dia mivaky magnanjao: "Tamin'ny lin'ny zanaka lahiny zeraiky.") 29Haiky fao afaran'ny fandihianako, hoavy eo aminareo reo amboadia masiaka ary tsy havavy amin'ny reo ondry.30Haiky fao na dia avy aminareo aby dia hoisy ôlogno hoavy aveo hagnaova ny marigny mbô hitariky reo mpianatra hagnaraka zareo.33Tsy nagniry vaolafôtsy, na vaolamaina, na lamban'ôlogno zaho.34Areo haigninareo no mahay fao reto tanàgna reto no nanôlotro zay nilaiky aveo reo nilain'ny reo zay niaraka taminaha.35Tamin'ny raha jiaby no nagnamaizako aohatra areo ny fomba tôkony hagnampianareo reo malemy amin'ny alalan'ny asa, aveo ny fomba hahatsaraovanareo reo koragnan'i Tompo Jesôsy, tegny zay nambarany izy haigniny nagnanjao: "Taigna Mahasambatra ny magnamia noho ny mandray."36Koafa avy nivaolagna hotra zany izy, dia nandongoalitry aveo nivavaka niaraka tamin'izy jiaby.37Nisy fitomagnigna be teo aveo nitôlogno Paoly ndraiky nagnôroko azy zareo.38Nalahelo ny maro tamin-jareo noho zay nivolagniny, nagnanjao: zareo tsy hahita haigniny eky. Avakeo nagnatitry azy tegny amin'ny sambo zareo.Chapter 21
1Koafa niala taminjareo zahay dia nandaiha sambo, ary nandaiha lala-mahitsy nagnagny amin'ny tanàgnan'i Kosy, nagnagny amin'ny tanàgnan'i Rody ny andro magnaraka, ary avy akao nagnagny amin'ny tanàgnan'i Patara. 2Koafa nahita sambo nitsaka nagnagny Foinika zahy, dia niditry tao zahay kay nandaiha sambo.3Koafa avy nahita Kyprosy, dia namaila zany vaolagna tegny andafirôn'ny sambo, nandaiha sambo hoagny Syria zahay aveo taraiky tao Tyro, toairagna zay nagnamboahan'ny reo tantsambo ny aintagna tao agnaty sambo.4Koafa nahita reo mpianatra zahay, dia nijanogno tagny nandritra ny fito andro. Tamin'ny alalan'ny Fagnahy dia nandresy lahatra Paoly zareo mbô tsy handaiha akagny Jerosalema.5Koafa tapitry ny andronay tagny, dia niala tao zahay kay nandaiha tamin'ny làlagnay, aveo izy jiaby, niaraka tamin'ny reo vady aman-janany, nagnaraka niboaka tao amin'ny tanàgna. Ary nandongoalitry tegny amôron-dranomasigny dia nivavaka aveo6nifagnano veloma. Dia niditry tagnaty sambo zahay, aveo zareo nimpôdy tagny an-tragnony.7Koafa vitanay ny dia tagny Tyro, dia tonga tagny Ptolemaisy zahay. Tagny nitratro tamin'ny reo rahalahy aveo nijanogno andro araiky niaraka taminjareo.8Ny amaraigny niala tao zahay aveo nandaiha tagny Sezarea. Niditry ny tragnon'i Filipo atsika, evanjelista, zay araiky tamin'ny reo fito, aveo nijanogno niaraka taminazy zahay.9Zeo lalahy io nanan-janaka vaiavy virijiny aifatra zay naminagny.10Koafa nijanogno tao nandrirty ny andro maromaro zahay, dia nisy mpagnazary araiky nijôtso avy tagny Jodia nantsôvigny hoe Agabo. 11Nagnatogno zahay avakeo nangala ny fehinkibon'i Paoly izy. Tamin'igny no namihaizagna ny hongony ndraiky tagnany aveo nivaolagna nagnanjao: "Hoizy ny Fagnahy Masigny, 'karaha zao no hamihaizan'ny reo Jiosy akagny Jerosalema ny lalahy zay tompon'ny tô fehin-kibo tô, aveo hanôlotro azy eo an-tagnagna reo Jentilisa."'12Koafa nahiregny zany raha zany zahay, dia zahay ndraiky reo ôlogno mipaitraka tao amin' io toairagna io dia nangavigny tamin'i Paoly tsy hakatra hoagny Jerosalema.13 Avakeo namaly Paoly nagnanjao: "Ino no tsabonareo, mitomoagny ndraiky mandratra fôko? Zaho afa vôgnogno, tsy hoe hitadiagna faogna, fao hofoaty akagny Jerosalema faogna koa amin'ny agnaragna Tompo Jesôsy."14 Satria tsy nagniry ny horesen-dahatra Paoly, dia nijanogno nagnandragna zahay ary nivaolagna: "Aoka ho tantairaka ny sitra-pôn'ny Tompo."20Koafa naharegny zany zareo, dia nidaira Zagnahary, aveo nivaolagna taminazy: "Hitanao, rahalahy, andrivony firy no nino tamin'ny reo Jiosy. Tapa-kevitry izy jiaby hitandregny ny lalàgna.21Afa nikoragninjareo ny mahakasiky anao, fao anao mpampianatra reo Jiosy jiaby zay mipaitraka eo amin'ny reo Jentilisa hahafoy i Mosesy, aveo anao mivaolagna zareo tsy hamora zanany, avakeo tsy hagnaraka fomba talaoha.27Koafa ho tapitry reo andro fito, reo Jiosy sasantsasany avy akagny Asia, nahita Paoly tao an-tempoly, nampikorontagna reo vahoaka jiaby, ary nanambotro azy. 28Nitabataba zareo nagnanjao: "Oa ôlon'Israely, ampia zahay." Io lehy lalahy zay mampianatra ny ôlogno jiaby hatraiza hatraiza reo raha zay manohitry ny ôlogno, ny lalàgna, aveo tô toairagna tô. Fagnapminy zany, nitondra Grika tao an-tempoly faogna koa izy aveo nandoto tô toairagna masigny tô. 29"Fao zareo talaoha nahita Trofima zay Efezianina niaraka taminazy tao an-tanàgna, aveo nieritreritry zareo fao Paoly no nitondra azy tao an-tempoly.30Nifagnaritaka ny tanàgna jiaby, aveo niaraka nihazakazaka ndraiky nanambotro Paoly ny ôlogno. Nanintogno azy hiboaka ao amin'ny tempoly zareo, dia nafôdy samby teo ny tamiagna.31Raha teo am-pamonoagna azy zareo, dia nisy vava tonga tagny amin'ny kapitenin'ny mpiambigny fao mikorontagna jiaby Jerosalema jiaby.32Samby teo nangala miaramila ndraiky kapiteny izy aveo nihazakazaka nijôtso nagnagny amin'ny reo vahoaka. Koafa nahita ny kapiteny ndraiky reo miaramila ny vahoaka, dia nijanogno namboko Paoly zareo.33Dia nagnatogno lehy kapiteny aveo nanambotro Paoly, avakeo nasainy nitadiagna tamin'ny tady vi aroa izy. Dia nagnintany izy hoe zôvy izy aveo ino no nitsabóny.34Ny sasany tamin'ny reo vahoaka nitabataba raha araiky aveo raha hafa. Satria tsy afaka nivaolagna na ino na ino ny kapiteny noho ny tabataba jiaby, dia nasainy nindesigny hoagny amin'ny tragno mahizigny Paoly.35 Koafa tonga teo amin'ny titaizagna izy, nindesiny reo miaramila izy noho ny herisetran'ny vahoaka.36Fao nagnaraka tafara ny vahoaka maro aveo nanôhy nihorakoraka hoe: "Vonoy izy"37Raha nindesigny tao an-tragno mahizigny igny Paoly dia hoizy izy tamin'ny Kapiteny: "Afaka mivaolagna raha aminao moa zaho?" Hoizy lehy kapiteny: "Mivolagna Grika moa anao? 38Tsy anao moa lehy Egytiana, zay nitariky fikomiagna tagny alaoha aveo nitariky reo aifatra arivo lahy 'mpamono ôlogno' niboaka avy tagny an-tany maty?"Chapter 22
6Zao no nitranga koafa nandaiha aveo nagnagny Damaskosy zaho, ary tamin'ny mitavovonana teo ho eo dia nisy hazavagna goalahy avy akagny an-dangitry nanomboko nangilatra nagnodidigny zaho.7Lavo tamin'ny tany zaho aveo nahiregny feo nivaolagna taminaha nagnanjao: 'Saoly, Saoly, nagnino anao magnenjiky Zaho?'8Namaly zaho: 'Zôvy moa anao, Tompoko?' Nivaolagna Izy: 'Zah no Jesôsin'ny Nazaraita, zay enjehinao.'12Nitratro tamin'ny lalahy araiky nantsôvigny hoe Ananiasy tagny zaho, lalahy matotro amin-Jagnahary nagnaraka ny lalàgna aveo tsara laza teo amin'ny reo Jiosy jiaby zay nidôko tao. 13Nagnatogno zaho izy, nitsangagna tankilako, avakeo nivaolagna: 'Oa rahalahy Saoly, mahitàva.' Tamin'ny zany fotoagna zany dia nahita azy zaho.22Koafa nanady azy zareo papiky hivolagnany zany. Dia nangaiky mafy zareo aveo nivaolagna nagnanjao: ''Vonoy hiala aketo amin'ny tany ny lalahy karaha io, satria tsy magnaiva ny ho velogno izy.''23 Raha nitabataba zareo, nanopy ankanjony, avakeo jôfo tamin'ny rivitro,24 ny lehiben'ny kapiteny dia nandidy Paoly mbô ho ndesigny akagny amin'ny lapa. Izy nagniraka fao tôkony hadignigny miaraka amin'ny poko izy, kay mbô izy haigniny dia hahay hoe nagnino zareo no nangaikingaiky nanohitry azy karaha zany.27Nagnatogno lehy lehiben'ny kapiteny ary nivaolagna taminazy nagnanjao: "Volagno zaho, mponigny Romana moa anao?'' Paoly namaly hoe: "Ia." 28Avakeo namaly lehy lehiben'ny kapiteny nagnanjao: "Tamin'ny vaola be no nazahoako io zom-pirenena io. Fao Paoly nivaolagna: "Natairaka ho mponin'ny Romana zaho." 29Aveo niala azy samby teo lehy lehiben'ny zay nametram-pagnontaniagna azy. Ambory faogna koa lehy lehiben'ny Kapiteny, koafa hainy fao mponigny Romona Paoly, satria izy nanady azy.30Ny amaraigny, te-hay ny marigny mahakasiky reo fagnindrikindraihagna reo Jiosy nanohitry Paoly ny lehiben'ny kapiteny. Kay nivahany reo tady avakeo nibeko reo mpisôrogno be ndraiky reo filan-kevitry jiaby mbô hivôry izy. Ary nitondra Paoly nijôtso izy avakeo nagnambaila azy tagnivon-jareo.Chapter 23
1Petera dia nizaha nivantagna tagny amin'ny reo mpiômbogno tao amin'ny filan-kevitry aveo nivaolagna nagnanjao: "Oa rahalahy, zaho afa niaigny tagnatraihan-Jagnahary tamin'ny fieritreraitagna tsara jiaby zisiky niany." 2Ny mpisôrogno be Ananiasy nibeko reo zay nitsangagna narikitry azy teo mbô hamboko vavanazy. 3Aveo Paoly nivaolagna azy nagnanjao: "Zagnahary hamboko anao, anao rimba voalalotro fôtsy. Anao moa mipaitraka hitsara zaho amin'ny lalàgna, naifa magniraka zaho mbô ho bobohigny, tsy araka ny lalàgna?4Reo zay nitsangagna teo dia nivaolagna nagnanjao: "Zao moa fomba hanaivataivanareo ny mpisôrgogno be n-Jagnahary?"5Paoly nivaolagna: "Tsy nahay zaho, rahalahy, hoe izy lehy lehiben'ny mpisôrognobe. Fao afa voasaoratra: tsy tôkony hivaolagna ratsy ny mpitondra ny vahoaka anao."11Ny aligny magnaraka ny Tompo nitsangagna tagnilany aveo nivaolagna nagnanjao: "Aza ambory, fao karaha ny nitsangananao vavolombelona mahakasika anaha atomoa akagny Roma faogna koa no tsy maintsy hitsangananao vavolombelona akagny Romba."12Koafa maraigny andro, ny Jiosy sasany namôrogno tetiky aveo nagnôzogno ny haignin-jareo miaraka amin'ny fianianagna mbô tsy hihinagna na higiaka na ino na ino mandra-pamonoanjareo Paoly. 13Mihoatra aifapôlo ny ôlogno zareo zay namôrogno io tetiky io.16Naifa ny zanaka lalahin'ny anabavin'i Paoly dia nahiregny fao teo am-piandrasagna ny hamonoagna azy zareo, noho zany izy nandaiha aveo niditry lapa kay nivaolagna tamin'i Paoly. 17Paoly nagnantso ny araiky tamin'ny reo kapiteny kay nivaolagna nagnanjao: "Ndeso akagny amin'ny kapiteny mpitariky tô tôvolahy tô, fao managna raha koragnigny aminazy izy."18Noho zany lehy kapiteny nandray lehy tôvolahy aveo ninday azy tagny amin'ny kapiteny mpitariky kay nivaolagna nagnanjao: "'I Paoly lehy gadra no nagnantso zaho andaiha aminazy, aveo nangataka zaho mbô hinday tô tovolahy tô ho aketo aminao. Managna raha hikoragnigny aminao izy."19 Ny kapiteny mpitariky nangala azy tamin'ny tagnagna hoagny amin'ny toairagna mitaokagna aveo nagnontany azy nagnanjao: "Ino zany tôkony hikoragninao aminaha zany?"22Kay nambailan'ny lehy kapiteny mpifehy handaiha lehy tôvolahy, tafaran'ny nagnambarany azy hoe: "Aza mivaolagna na aminjôvy na aminjôvy hoe nivaolagna reo raha reo taminaha anao.'' 23Avakeo izy nangnantso ho akeo aminazy ny aroa tamin'ny reo kapiteny kay nivaolagna nagnanjao: "Alaivo ny miaramila roanjato zay vôgnogno handaiha akagny Kaisaria, ndraiky mpitikin-tsoavaly fitopôlo faogna koa, avakeo mindaisa lefogno roanjato. Handaiha anao amin'ny fotoagna fahatelon'ny aligny."24Izy faogna koa nandidy zareo mbô hagnamia biby zay afaka tikinin'i Paoly, aveo mbô hitondra azy tsara akagny amin'i Feliksa lehy governora.31Kay noho zany reo miaramila nankatô reo bekon-jareo. Nalain-jareo Paoly aveo nindesingny tamin'ny aligny tagny Antipatria. 32Ny amaraigny, ny ankamaroany reo miaramila niala reo mpitikin-tsoavaly mbô handaiha hiaraka aminazy fao zareo nimpôdy tagny an-dapa. 33Koafa tonga tagny Kaisaria reo mpitikin-tsavaly kay nanôlotro taratasy amin'ny governora, dia nanôlotro Paoly taminazy faogna koa.
Chapter 24
4Mbô tsy hitanako areo aila loatra, mangataka fotoagna fohy aminareo zaho mbô hitandregny zaho am-pahatoniagna. 5Fao io lalahy io hitanay fao mpagnakorontagna aveo araiky zay nitariky ny Jiosy jiaby mangairagna zao tontolo zao hikomy. Izy no mpitariky ny sekta Nazareana. 6Ary izy faogna koa no niaizaka ny handoto ny tempoly, kay nisambôrinay izy. (Fagnamarihagna: Reo karamontsan-taratasy talaoha manôsoko hoe: "Tianay ho tsara araka ny lalàgnanay izy.")14Naifa zaho magneky zao aminao, araka ny fampianaragna zay antsôvinjareo hoe sekta, dia karaha zany koa no hanompoako Zagnahary ny razambentsika. Zaho mahatoky amin'ny jiaby zay ao amin'ny lalàgna ndraiky reo voasaoratra reo mpagnazary.15 Managna fahatokisagna Zagnahary karaha reo ôlogno reo zaho, fao hoisy fitsanganan'ny marigny ndraiky ny ratsy fagnahy amin'ny maty.16Noho zany zaho miaizaka lalandava mbô hanagna fisaignagna madio eo agnatraihan-Jagnahary ndraiky ny ôlombelogno.20Na koa, reo ôlogno reo faogna no tsy tôkony hivaolagna zay hitanjareo tsy mety atoy aminaha koafa nitsangagna teo agnatraihan'ny filan-kevitry ny Jiosy zaho,21 raha tsy hoe mahakasiky raha araiky zay nihaikiàko koafa nitsangagna tagnivon-jareo zaho magnanjao: 'Zany dia mikasiky ny fitsanganan'ny maty zay hitsaragna zaho aketo agnatraihanareo niany.'22Ary Feliksa, zay nagnambaragna tsara mahakasiky lehy fampianaragna. Izy nivaolagna nagnanjao: "koafa mijôtso avy akagny Jerosalema Lysia mpandidy, hanapa-kevitry ny amin'ny raharahana zaho." 23Aveo izy nagniraka lehy kapiteny fao Paoly tôkony hiambaisagna, fao mbô hoisy fahafahagna dia tsy hoisy amin'ny reo namany ho sakanagna amin'ny fagnampiagna zay raha ilainy.24Andro vitsivitsy tafaran'ny zay, nimpôdy niaraka tamin'i Drosila vadiny i Feliksa, zay vaiavy Jiosy, kay nalaifa hoagny Paoly izy aveo nahiregny taminazy mahakasiky ny finoagna ao amin'i Kristy Jesôsy. 25Fao koafa niady hevitry niaraka tamin'i Paoly mahakasiky ny fahamarignagna, fahononan-taigna, ndraiky ny fitsaragna hoavy, dia nanjary ambory i Feliksa kay nivaolagna nagnanjao: "Mandihiana manomboko zao. Fao koafa managna fahafahagna zaho afara akao, dia handaifa hoanao."26Nandritran'ny fotoagna zany faogna, nagnantaigna izy fao hagnamia vaola azy Paoly, noho zany dia nandaifa hoazy mazagna izy aveo nikoragna taminazy.27Fao koafa afaka aroa tagno, nanjary governora nandimby Feliksa i Porsio Festosy, naifa Feliksa te-hahazo sitraka tamin'ny reo Jiosy, dia nambailany ho hiambaisagna faogna Paoly.Chapter 25
11Kanaifa raha nagnano ratsy zaho aveo raha nagnano zay magnaiva ny fahafataisagna, dia tsy mandà ny hofoaty. Fao raha tsisy reo fiampangan-jareo reo, dia tsisy ôlogno afaka mitondra zaho hoagny aminjareo. Mangataka Kaisara zaho." 12Koafa avy nikoragna tamin'ny filan-kevitry Festosy, dia namaly izy: "Nangataka Kaisara anao. Akagny amin'i Kaisara no handihananao.17Noho zany, koafa niara-tonga teto zareo, dia tsy nandigny zaho, fao ny andro magnaraka dia nipaitraka teo amin'ny dabilion'ny fitsaragna zaho aveo nibeko ny ampidiragna lehy lalahy.18Koafa nitsangagna reo mpiampanga kay nagnameloko azy, dia niheveriky fao tsisy gaida ny fampiangagna nindesin-jareo azy.19Fao ndraiky, nifamaly zareo mahakasiky ny fivavahan-jareo manaokagna ndraiky mahakasiky zany Jesôsy zay maty zany, zay nambaran'i Paoly fao velogno.20Tsy azoko antoko ny fomba hagnadihadiagna tô raha tô, ary noho zany dia nagnintaniako izy raha vôgnogno hoagny Jerosalema mbô ho tsaraigny akagny mahakasiky reo fiampangagna reo.23Kay ny andro magnaraka, havy niaraka tamin'ny lagnonagna marobe Agripa ndraiky Berenika; nagnao amin'ny efitragno gaida niaraka tamin'ny reo miaramila mpifehy ndraiky reo lalahy manan-kaja teo amin'ny tanàgna zareo. Koafa nivaolagna lehy didy Festosy, dia nindesin-jareo Paoly.24Hoizy Festosy: "Agripa mpanjaka, ndraiky areo lalahy jiaby zay miaraka aminay aketo, hitanareo tô lalahy tô; reo vahoakan'ny Jiosy jiaby nifagnaraka taminaha tagny jerosalema ndraiky aketo faogna koa, dia nitaraigny taminaha zareo fao tsy tôkony ho velogno eky izy.25Haiky fao tsy nagnano na ino na ino magnaiva fahafataisagna izy; fao satria nangataka ny Amperora izy, dia nanapa-kevitry zaho ny hagnandaifa azy.26Naifa tsisy raha manan-danja ho soroatako akagny amin'ny Amperora. Noho zany antony zany, nindesiky teto aminareo izy, indrindra aminao, Agripa Mpanjaka, mbô afahako managna raha hosoroatako fôntrifôntry mahakasiky lehy raharaha.27Satria karaha tsy mety aminaha ny mandaifa gadra ndraiky tsy mivaolagna zay hiampangagna azy koa.Chapter 26
1Noho zany Agripa nivaolagna tamin'ny Paoly nagnanjao: "Afaka mivaolagna hoan'ny haigninao anao." Dia nagnainjagna tagnany Paoly aveo nagnano fiarovan-taignany. 2" Magnaboaka ny haigniky karaha ny ravo zaho, Agripa mpanjaka, mbô hitondra ny raha mahazo zaho aketo agnkilanao niany manohitry reo fampangan'ireo Jiosy jiaby. 3indrindra, satria anao afa mahay amin'ny fomba amam-panao ndraiky fagnontanian'ny Jiosy jiaby. Noho zany dia mangataka anao zaho hitandregny zaho am-paharetagna.4Marigny fao, reo jiosy Jiaby dia mahay ny fomba fiainako letry tamin'ny fahatanorako tagny amin'ny fireneko manaokagna ndraiky tao Jerosalema. 5Zareo mahay zaho letry tam-boalohany ary tôkony hagneky zareo fao Fariseo fiaigna zaho, ny taigna sarotondraha amin'ny antokon'ny fivavahantsika.19Noho zany, Agripa mpanjaka, nagneky ny fahitagna avy tan-dangitry zaho; 20fao, ny nihin'ny reo zay tagny Damaskosy aloha, ary avakeo tagny Jerosalema, aveo nagnairagna ny tani'ny Jodia jiaby, ary koa tamin'ny reo Jentilisa, nagnamia zareo ny hafatra zaho fao tôkony hibaibaka ndraiky hitodiky amin-Jagnahary zareo, hagnano ny asa magnaiva ny fibaibahagna. 21Noho zany antony zany no nisambaoran'ny Jiosy zaho tan-tempoly ndraiky niezaka hamono zaho.22Nagnampy zaho zisiky zao Zagnahary, noho zany mitsangana zaho aveo mitsangagna antomoa amin'ny olontsotra ndraiky amin-jareo manan-kaja tsy hivaolagna na ino na ino mihoatra zay nivolagnin-jareo mpagnazary ndraiky Mosesy fao hisy;23fao tsy maintsy hijaly Kristy, avakeo Izy no ho voalohany hitsangagna ndraiky hitory fahazavagna aminjareo vahoaka Jiosy ndraiky reo Jentilisa."24Koafa vitan'i Paoly ny fiarovan-tegnany, dia nivaolagna tamin'ny feo mafy Festosy nagnanjao: "Paoly, very saigny anao; ny fianaragnao maro loatra no nahatonga anao ho very saigny." 25Fao hoizy Paoly: "Tsy very saigny zaho, Festosy bahery tsara; fao amin'ny fahasakiagna zaho mivaolagna vaolagnan'ny fahamarinagna ndraiky fahamatoragna.26 Fao ny mpanjaka mahay mahakasiky zany raha zany; avakeo noho zany, mivaolagna an-kahalalahagna aminazy zaho, fao resy lahatra fao tsisy tamin'ny zany navôny taminazy; satria tsy natao tagny amin'ny takogno zany.30Aviteo nitsangagna ny mpamjaka, ndraiky governora, ndraiky Berenika faogna koa, aveo reo zay nantotry niaraka tamin-jareo, 31koafa nandao ny tragno fivoriagna zareo, dia nifampiresaka aveo nivaolagna nagnanjao: "Tô lalahy tô tsy magnano raha magnaiva fahafataisagna na famatoragna.'' 32Hoizy Agripa tamin'i Festosy: "Tô lalahy tô afaka navôtsotro raha tsy nantsôvigny tagny amin'ny Kaisara izy."
Chapter 27
3Ny andro magnaraka tonga tamin'ny tanagnan'ny Sidona zahay, zay nitondrasan'ny Jolio Paoly tamin'ny hatsaram-pagnahy avakeo nagnambaila azy nandaiha, ho akagny amin'ny reo namany handray ny fikarakaran-jareo. 4Avy tagny zahay no nandaiha an-dranomasigny aveo nandaiha sambo nagnaraka ny sisin'ny Kyprosy, narikitry ny nôsy, satria nanohitry zahay ny rivotro. 5Avakeo nandaiha sambo namakivaky ny ranomasigny zahay aveo narikitry ny sisin-tanin'ny kilikilia ndraiky Pamfilia, homby tao Myra zahay, tanagnan'ny Likya. 6Tagny, ny kapiteny dia nahita sambo araiky avy akagny Aleksandria zay handaiha sambo ho akagny Italia. Nambailany tao amin'ny zany zahay.7Koafa nandaiha sambo niadagna nandritry ny andro maro zahay aveo ny farany dia homby tam-pahasahiranagna teo narikitry Kinidio, dia tsy nagnambaila zahay andaiha tamin'ny zany làlagna zany eky ny rivotro, kay nandaiha sambo nagnaraka ny hilany takon-drivotro ny Kreta zahay, mifandrify amin'ny Salmona. 8Nagnaraka môrony tam-pijaliagna zahay, papiky havianay tagny amin'ny toairagna araiky antsôvigny hoe Tsara-fitodian-tsambo, zay marikitry tanagnan'ny Lasea.12Satria ao amin'ny tafiagna dia tsy mora raha hijanonagna mandritran'ny rirignigny, dia maro tamin-jareo mpiantsambo no nanoro hevitry ny hiondragna hiala teo, fao tsaha mbô afaka hitety ny tanagnan'ny Foinkisa amin'ny fomba jiaby zahay, mbô hibidaohagna akagny mandritry ny rirignigny. Foiniksa dia tafiagna akagny Kreta, aveo magnatriky magnavaratra andraifagna ndraiky magnatsimo andraifagna zany.13Koafa nanomboko nitsotro moramora ny rivotro avy akagny antsimo, dia nihevitry reo tantsambo fao nanagna zay nilain-jareo. Kay nampakatra ny vatofantsiky avakeo niondragna nagnaraka an'i Kreta zareo, narikitry ny môron-dranomasigny.19Tamin'ny andro fahatelo reo tantsambo nanopy ny aintagna ny sambo tagny ambailain'ny sambo tamin'ny tagnan-jareo zeraiky.20Koafa tsy nazava taminay nandritran'ny andro maro ny masaova ndraiky lakitagna, avakeo mbôla namely zahay lehy valolandrivotro mafy, dia very jiaby ny fanantenagna ny hahavoavonjy zahay.27Koafa tonga ny haligny faha-aifatra amibin'ny fôlo, raha natopatopany tegny ndraiky taroy tao amin'ny ranomasigny Adrea zahay, tôkony ho tamin'ny sasakaligny dia nihevitry reo tantsambo fao narikitry tany zareo.28Dia nangala refi-drano zareo avakeo nahita fao aifapôlo maitatra ny halalignany; tafara helin'ny zany, mbôla nangala refin-drano zareo aveo nahita fao telopôlo maitatra ny halalignany.29Ambory zareo tsaha be hirafitry amin'ny vato zahay, kay nandatsaka vatofisaka aifatra avy afara zareo avakeo nivavaka mbô hiavian'ny marandraigny tsy ho aila.33Koafa nanomboko nahay nazava ny andro, dia nampirisiky azy jiaby Paoly mbô hangala hanigny maromaro. Hoizy: "Tô andro tô no andro faha-aifatra ambiny fôlo zay handarasanareo aveo tsy hinananareo; tsy nihinagna na ino na ino areo. 34Noho zany dia mampirisky areo mbô hizara hanigny, fao ilaigny zany mbô hahavelogno areo. Fao tsy hoisy na araiky aminareo zay ho very na dia ny singam-bolodaohany aby."35Koafa avy nivaolagna zany izy, nalaka môfo avakeo nisaotra Zagnahary teo imason'ny jiaby. Aveo izy nizarazara ny môfo avakeo nanomboko nihinagna.42Ny fikasagnan'ny reo miaramila dia ny hamono reo gadra mbô tsisy aminjareo ho afaka andaiha hilomagno kay hilaifa.43Fao lehy kapiteny te-hamomjy i Paoly, kay najanony ny fikasagnan-jareo; avakeo nagnamia baiko reo mahay milomagno mbô hilatsaka ambailan'ny sambo aloha aveo ho egny antanety.44Avakeo tôkony hagnaraka ny ambin'ny reo lalahy, ny sasany agnambo kakazo fisaka, ary ny sasany agnambo raha hafa avy tao amin'ny sambo. Hotra zany no niseho kay jiaby taminay dia tonga soa aman-tsara tegny an-tanety.Chapter 28
1Koafa tonga soaman-tsara zahay, hainay fao lehy tany dia nantsôvigny hoe Malta.2Reo tairatany dia tsy nagnamia hatsaram-pagnahy tsotra taminay faogna, fa nandrehitry môtro zareo aveo nampandroso zahay jiaby, nohon'ny oragna mafy ndraiky nintsy.5Fao ave nagnôzonkôzogno lehy biby ho agnaty môtro izy naifa tsy naratra aby.6 Nandigny azy mbô ho hazon'ny tazo na ho foaty tampoko zareo. Fao koafa avy nizaha azy maharitry zareo ary nahita fao tsisy raha tsy mahazatra nahazo azy, dia niaova hevitry zareo ary nivaolagna fao izy dia zagnahary.7Ary tamin'ny toairagna marikitry teo nisy reo tany zay nihi'ny lehy lehiben'ny nôsy, lalahy izay antsôvigny hoe Popilio. Nandray zahay izy avakeo nagnamia hanigny zahay tamin'ny hatsaram-pagnahy nandritran'ny telo andro.8Ny Iadan'i Paoly dia nararin'ny tazo ndraiky fivalagnan-di. Koafa nandaiha tagny Paoly, dia nivavaka izy, namaitraka tagnany taminazy, aveo nampahivagna azy.9Tafaran'ny nisiany zany, dia nagnatogno azy jiaby ny ambin'ny vahoaka jiaby zay narary teo amin'ny lehy nôsy avakeo nahivagna.10Ny vahoaka faogna koa dia nagnamia vogninahitry zahay tamin'ny vogninahitry maro. Ary koafa niomagna andaiha sambo zahay, dia nagnamia zahay zay nilainay zareo.16Koafa niditry tao Roma zahay, dia nahazo alalagna hiara-hiaigny amin'ireo miaramila niambigny azy Paoly.17Aveo koafa afaka telo andro tafaran'ny zay nampagnantso niaraka reo lalahy zay mpitariky teo amin'ny reo Jiosy ireo i Paoly. Koafa niaraka tonga zareo, nivaolagna tamin-jareo izy nagnanjao: "Oa rahalahy, na dia tsy nitsabo raha ratsy tamin'ny ôlogno na ny fombany reo razantsika aza zaho, dia natôlotro ho voagadra tagny Jerosalema teo antagnan'ny Romana.18 Koafa avy nagnadihady zaho zareo, dia nagniry ny hamôtsotro zaho, satria tsisy antony tôkony hagnamelaohagna zaho ho faty.19Fao koafa nanohitry ny fagniriagnan-jareo ny Jiosy, dia voatery zaho nagnantso Kaisara, na dia tsy karaha ny nitondra fiampangagna hanohtry ny fireneko aby.20 Nohon'ny antsoanaha, nangataka ny hahita areo ndraiky hikoragna aminareo zaho. Zany nohon'ny fahatokisan'ny Israely mahakasiky ny hanadiagna zaho amin'ny tô tady tô."21Aveo nivaolagna tamin-jareo nagnanjao: "Tsy mbôla nahazo reo taratasy mahakasiky anao avy akagny Jodia zahay, na rahalahy tonga ndraiky nitatitry na nivaolagna raha ratsy mahakasiky anao. 22Fao tianay ho regny aminao ny eritreritriao mahakasiky zany Sekta zany, satria hainay fao afa ratsy laza egny jiaby egny zany.25Koafa tsy nifagnaraka zareo, nanjary tafaran'ny nagnambaran'i Paoly tô vaolagna tô: "Ny fagnahy Masigny nivaolagna tsara reo razagna areo tamin'ny alalan'Isaia mpagnazary. 26Hozizy magnanjao: 'Mandihiana akagny amin-jareo vahoaka reo avakeo volagno magnanjao: "Amin'ny fitandrignaisagna no handrignaisanareo, fao tsy hahatakatra; aveo amin'ny fahitagna no hahitavanareo, fao tsy hahita.27Fao nahay hadonto ny fôn-jareo, avakeo sarotro amin'ny sôfigny zareo ny hahiregny, aveo nagnapihy masony zareo. Fao raha tsy zany mety afaka hahita amin'ny masony zareo, aveo hahiregny amin'ny sôfiny ndraiky hahatakatra amin'ny fôny ka himpôdy indremandaiha, dia hankahivagna zareo Zaho."'28Noho zany, tôkony ho hainareo fao zany fagnavaotan-Jagnahary zany nalaifa tamin-jareo Jentilisa, aveo hitandregny zareo." 29(Fagnamarihagna: Asa 28:29- Ny karamontsantaratasy sasany dia managna ny andininy Hoe: "Koafa nivaolagna reo raha reo izy, dia nanjary ny Jiosy. Nisy fisahotahagna gaida tamin-jareo.")Romans
Chapter 1
1Paoly, mpanompon'i Jesôsy Kristy, dia voaantso ho apôstoly, aveo voatôkagna ho mpagnambara vaovao maharavoravon-jagnahary. 2Io lehy vaovao maharavoravo izay afa nampagnantenaigny atsika mialôha tamin'alalan-jareo mpagnazariny tao amin'ny soratra masigny. 3Zany dia mikasika zanany lahy, lehy teraka avy tamin'ny tamingany Davida araka ny nôfo.4Tamin'ny fitsanganagna tamin'ny maty, dia voam-panga ho lehy zanaka maherin-jagnahary tamin'ny herin'ny Fagnahin'nhy fahamasinagna izy_ dia Jesôsy kristy Tompontsika. 5Avy tamin'Azy no nandraisantsika fahasoavagna sy ny maha-apostoly amin'ny fankatoavagna ny finoagna eo amin'ny firenena jiaby, noho ny Agnarany. 6Amin'reo firenena reo, areo fogna koa dia voahantso ho an'i Jesôsy Kristy.7Tô taratasy tô dia hoan-jareo jiaby ao Roma, zay tian-Jagnahary, zay voaantso ho ôlogno masigny. Ho aminareo ny fahasoavagna, ndraiky fiadanagna avy amin-Jagnahary Babantsika sy Jesôsy Kristy Tompo.8Voalohany, isaorako ny Zagnahariko amin'ny alalan'ny Jesôsy Kristy noho ny aminareo jiaby, satria ny finoagnanareo dia afa nambara magairagna izao tyontolo izao. 9Fao Zagnahary no vavolombelogno naha, zay tompóko ao amin'ny fagnahinaha ao amin'ny vaovao maharavoravon'ny Zanany, fao tsy mijanogno mikoragna areo Aminy Zaho. 10Mangataka fogna zaho amin'ny vavaka tsabóky ny mbô ahombiazako amin'ny fomba jiaby araka ny sitrapon-Jagnahary mbô ho tonga aminareo.11Fao zaho dia magniry ny ahita areo, mbô afahako magnamia fagnomiazam-pagnahy sasantsasany ho nihinareo, mbô hampahery areo. 12Zany, dia magniry zaho ny mbô hifankaheraizantsika eto agnivontsika, amin'ny alalan'ny tsiaraikiaraiky aby, ny areo ndraiky zaho.13Avaizo tsy tiako areo tsy hahay, ry rahalahy, hoe mazagna zaho managna fikasagna hagnatogno areo, (naifa zaho dia voasakagna baroko amizeo), mbô hahazahoagna vokatra eo aminareo, hotry ny afa nazahoako ny ambin'reo jentilisa fogna koa. 14Zaho dia mpitrosa amin-jareo Grika ndraiky reo vahiny, amin'ny misy fagnahy ndraiky laifaka. 15Noho zany, aminaha dia vôgnogno fogna koa zaho hagnambara ny vaovao maharavoravo ho anareo zay agny Roma.16Fao zaho dia tsy maingatra ny vaovao maharavoravo, fa zany ngôvon-Jagnahary ho famonjiagna reo jiaby zay mino, ho an'ny jiosy aloha ary ho an'ny Grika. 17Fa amin'ny zany no agnaboahagna ny fahamarinan-Jagnahary avy amin'ny finoagna ho amin'ny finoagna, araka zay voasaoratra hoe: "Ny marigny dia ho velogno amin'ny finoagna."18Fa ny fahatezairain-Jagnahary dia naboaka avy agny andangitry manohitry ny haratsiam-pagnahy ndraiky ny tsy fahamarinan'ôlogno, zay manakagna ny fahamarinagna amin'ny alalan'ny tsy fahamarinagna. 19Zany dia satria zay hay mikasiky Zagnahary dia hitan-jareo maso. Fao nazavain-Jagnahary zareo.20Fao reo bikany zay tsy hita maso, zay ngôvony tsisy fetra sy maha Zagnahary Azy, dia hita nazava tsara, nanomboka tamin'ny famoraonagna izao tontolo izao, tamin'reo raha zay niforônigny. Noho zany dia tsy managna fialantsigny zareo. 21Zany dia satria, na dia afa nahay ny mahakasiky Zagnahary aby zareo, dia tsy nagnamia vogninahitry amin'ny maha Zagnahary Azy, na koa nisaotra Azy. Fao naifa, nanjary laifaka tao antsaigniny zareo, ary nahainahizigny ny fô donton-Jareo.22Zareo dia nivolagna zareo ho misy fagnahy, kanaifa dia lasa laifaka. 23Ny vogninahitry Zagnahary tsy mety lô dia ntakalon-jareo bikan'ôlombelogno mety lô, vôrogno, biby managna hongotro efatra, sy reo raha mikisika.24Noho zany dia natôlotro Zagnahary ho amin'ny filagnan'ny fôn-jareo ho amin'ny fahalotoagna zareo, mbô ho afa-bogninahitry eo amin-jareo fogna ny haignin-jareo. 25Zareo no nanakalo ny fahamarinan-Jagnahary tamin'ny vandy, ary zay midaira ndraiky manompo ny zava-boary fa tsy lehy Nitsabo, zay deraigny mandrakizay. Amena.26Noho zany, natôlotro Zagnahary ho amin'ny filàgna ratsy mamoafady zareo, fao reo vaiavin-jareo dia nanakalo reo fifandraisagna voajagnahary, tamin-jareo zay tsy voajagnahary. 27Otry zany koa, reo lalahy nagnambaila ny fifandraisan-jareo voajahgnhary miaraka amin'ny vaiavy kay nampirihetin'ny filàgna araka ny nôfotro ho an'ny zay samby izy. Reo dia lalahy zay nagnano fihetsiky mahamaingatra miaraka amin'ny lalahy ary nangala tao amin-jareo ny sazy zay mendriky zareo nohon'ny fahavaitavaitagnan-jareo.28Satria tsy nageky ny hanagna Zagnahary ao amin'ny fieritrairaitagna zareo, dia namiany sagny tsy mendriky zareo, mbô hitaboan-jareo raha zay tsy manjary.29Zareo dia feno ny tsy fahamarinagna, faharatsiagna, fitsiriritagna, aveo lolom-pô jiaby. Zareo dia feno fialonagna, famonoagna, fifandiragna, vandy, ary fikasagna ratsy. 30Zareo dia mpifôsa, mpagnendrikendriky, ary mpalaigny Zagnahary. Zareo dia mahery saitra, miavogno, aveo miraiharaiha. 31Zareo dia mpamôrogno raha ratsy, ary zareo dia tsy mankatoa ny ray amand-reny. Zareo dia tsy managna fahalalagna; zareo dia tsy azo atokisagna, tsisy fitiavagna voajagnahary, aveo tsy mamindra fô32Hain-jareo ny lalàn-Jagnahary, fao zareo zay mitsabo raha karaha zany dia mendriky ny fahafataisagna. Fao tsy reo raha reo fogna no tsabóny, fa magneky reo hafa zay magnano regny koa.
Chapter 2
1Noho zany dia tsy managna fialantsigny anao, ry ôlogno, anao zay mitsara, fao lehy itsaranao ny hafa no agnamelohanao ny tegnanao. Fa anao zay mitsra dia magnano reo fogna koa. 2Kanaifa haintsika fao ny fitsaragnan-Jagnahary dia araka ny marigny izy koa lavo amin-jareo zay magnano raha mitôvy reo zany.3Fao Heritrereto zao, ry ôlogno, anao zay mitsara reo zay magnano raha mitôvy reo na dia magnano mitôvy regny koa aby anao. Hilaifa ny fitsaragnan-Jagnahary moa anao? 4Sa hamaivagninao ny hariagnan'ny hatsaram-pagnahiny, ny fandifairany, aveo ny faharaitany? tsy hainao moa fao ny hatsaram-pgnahiny dia natao hitariky anao amin'ny fibaibahagna?5Fa zany dia ho amin'ny hagidazan'ny hamafy ndraiky tsy fibaibahan'ny fônareo no hamompaonanareo fahatezairagna ho an'ny haigninareo amin'ny andro fahatezairagna, zany dia, ny andron'ny fampisehoagna ny fitsaragna marin-Jagnahary. 6Hamaly ny ôlogno jiaby amin'ny hairagna mitôvy amin'ny lehy nitabony Izy: 7Hagnomia araka ny faharaitagna, ny asa tsara mitady daira, vogninahitry, ny tsy fahafataisagna, fiainagnabariky ditany Izy.8Fa hoan-jareo zay mitady ho an'ny haigniny, zay tsy mankatoa ny marigny fao mankatoa ny tsy fahamarinagana, dia hoavy ny fahatezairagna sy ndraiky fasiàhagna. 9Zagnahary dia hitondra fahoriagna aveo fahantragna amin'ny fagnahin'ôlogno jiaby zay nagnano ratsy, amin'ny jiosy alaohaka aveo amin'ny grika fogna koa.10Fa daira, laza, ary fiadanagna no hoavy amin-jareo zay magnano tsara, amin'ny Jiosy alohaka aveo amin'ny Grika fogna koa. 11Fa tsisy fiangaragna miaraka amin-Jgnahary. 12Fao zay jiaby nanota tsy nanagna ny lalàgna dia ho very tsy managna lalàgna ihany koa, aveo zay jiaby nanota niaraka fagnajagna ny lalàgna dia ho tsaraigny araka ny lalàgna.13Fao tsy reo mpagnambara ny lalàgna no marigny eo agnatraihan-Jagnahary, fa reo zay mampihatra ny lalàgna no nihamarinigny. 14Fa reo Jetilisa, zay tsy managna ny lalàgna, koafa magnano raha mikasiky ny lalàgna araka ny voajagnahary, dia zareo no lalàgna ho an'ny haigniny, na dia tsy managna ny lalà aby zareo.15Amin'izany no agnamboahan-jareo fao ny asa angatahin'ny lalàgna dia voasaoratra ao am-pôn-jareo. Ny fieritreretan-jareo koa dia vavolombelogno hoan-jareo, ary ny fisaignan-jareo manaokagna dia na magnameloko na miaro zareo amin'ny haignin-jareo 16aveo koa amin-Jagnahary. Zany dia hitranga amin'ny andro zay hitsaran-Jagnahary reo tsiambaratelon'ôlojiaby, araka ny vaovao mahafaliko, amin'ny alalan'i Jesôsy Kristy.17Naifa raha toa ka Jiosy no agnantsaovanao ny haigninao ary miakigny amin'ny lalàgna ndraiky miraiharaiha ao amin-Jagnahary, 18ary mahay ny sitrapony ndraiky mamantratra zay raha tsara tatôbe satria nampianarigny tamin'ny lalàgna anao, 19ary izy koa resy lahatra anao fa ny haigninao dia mpitariky ny gila, fahazavagna hoan-jareo zay ao amin'ny mahizigny, 20mpagnitsy ny laifaka, mpagnanatra ny zaza madiniky, ary anagnanao ao amin'ny lalàgna ny bika ny fahalalàgna sy marigny, dia akôry zany fiantraikan'izany amin'ny fomba hiaignanao ny fiaignanao?21Ary anao zay mpagnanatra reo sasany, tsy mampianatra ny haigninao moa anao? Anao zay mitory manohitra ny halatra, mangalatra moa anao? 22Anao zay mivolagna fao tsy tôkony hijanganjanga, mijangajanga moa anao? anao zay malaigny ny sampy, mandravagna reo tempoly moa anao23Anao zay ravo miraiharaiha ao amin'ny lalàgna, magnalabaraka an-Jagnahary moa anao amin'io fandikanao ny lalàgna io? 24Fa "ny agnaran-Jagnahary dia afa afa-baraka teo amin-jareo Jetilisa nohony areo" araka zay afa voasoratra.25Fa mahazo tômbony amin'ny famoragna tatô areo izy koa mankatô ny lalàgna, fao raha mandika ny lalàgn areo, dia lasa tsy voafora na dia afa voafora aby areo. 26Nohon'zany, raha ôlogno tsy voafora no mitandrigny zay takin'ny lalàgna, tsy hatao ho agnisan'ny voafora moa izy na dia tsy voafora aby? 27Ary tsy ho helohin'ny lehy araiky zay mifora ara-bojagnahary moa areo izy koa mitandrigny ny lalàgna izy? Zany dia satria managna ny lalàgna voasaoratra ndraiky famoràgna areo, naifa mbôla mandiniky ny lalàgna!28Fa izy dia tsy jiosy amin'ny bika ivailany fogna; na amin'ny famoràgna zay miboaka amin'ny bika ivailan'ny nôfotro fogna. 29Fa izy dia jiosy ao agnaty, ary ny famoràgna zay an'ny fô, ao amin'ny Fagnahy, fa tsy ao amin'ny saoratra. Ny fideragna ny ôlogno hotra zany dia tsy avy amin'ny ôlogno fa avy amin-Jagnahary.
Chapter 3
1Kay na ino ave zany tombon-tsoa anagnan'ny Jiosy? Avakeo ino moa tombo-tsoan'ny famoràgna? 2Tsara zany amin'ny fomba jiaby. Voanalohany, reo Jiosy dia nagankignagna ny fagnambaragna avy amin-jagnahary.3Fa manakôry raha tsy nanagna finoagna reo Jiosy sasany? Ny tsy finoagnan-jareo moa hahatonga ny fahatokian-jagnahary, tsy ho vita? 4Tsy hisy marigny koa zany. Fa naifa, ambilao ho hita fa marigny zagnahary, na dia mpavandy aby ny ôlogno tsiraikeraiky, Araka lehy voasôratra hoe: "Hambara amin'ny vôlagnareo fa ôlogno mahitsy areo avakeo ambara izy koa fa homby ankagny amin'ny fitsaragna areo."5Fa izy koa ny tsy fahamarignantsika no magnambara ny fahamarignan-jagnahary, ino no azontsika hivolagnigny? Afaka mivôlagna moa atsika fa tsy marigny zagnahary amin'ny fagnamboahany ny havignirany amintsika, sa tsy zany? (Magnampiasa fandaharantenin'ônolombelogno zaho.)6 Tsy hisy marigny koa zany! Satria amin'ny fomba akôry ary no hitsaran-jagnahary tô tany tô?7Fa izy koa ny fahamarinan-jagnahary kay magnomia fideragna fôntry ho Azy amin'ny alalan'ny vandiko, kay nagnino ary zaho mboala ho tsaraigny ho mpanota? 8Fa nagnino no tsy mivôlagna, araka ny tatitra diso lehy nambara fa novolagnintsika, avakeo koa araka hamafisan'ny sasany fa nivolagnintsika hoe: "Ambilao zahay hagnano ratsy mbô havian'ny tsara." Rariny ny fitsaragna atao amin-jareo.9Kay ino ary? Magnomia rariny ny haignintsika moa atsika? Tsy zany fôgna. Fa atsika dia afa naganameloko ny Jiosy sindraiky Grika, izy jiaby, ho mpanota. 10Zany dia araka lehy voasôratra hoe: "tsisy ôlogno marigny, na dia araiky aza.11Tsisy na araiky araiky aza mahay. Tsisy na araiky aza mizaha zagnahary. Lôsogno niala aby koa izy jiaby. 12Lôsogno tsisy ilàgna azy izy jiaby. Tsisy mbô mitsabo ny tsara, tsisy, na dia araiky aby.13Ny ambôvogno zareo dia fasagna misôkatra. Ny lailan-jareo dia mavandy. Ny poizign'ny reo mainapitsoko dia akao ambanin'ny sognin-jareo. 14Ny vavan-jareo dia feno ôzogno ny lôlom-pô.15Ny tongotro zareo dia havanagna amin'ny fandatsahan-dio.16Ny fandratisagna sindraiky fijaliagna dia agny amin'ny lalan-jareo. 17Regny ôlogno regny dia tsy mahay lalan'ny fiadanagna. 18Tsy mbô misy tahotra zagnahary akeo alohaka mason-jareo."19Avaizo haintsika fa na ino na ino ambarany lalàgna, dia miantaifa agny amin'ny reo lehy ambany lalàgna. Zany dia mbô hahatonga vavan'ny tsiraikeraiky hangigny, avakeo mbô hahazo valiny avy amin-jagnahary tô tany tô. 20Zany dia satria tsy hisy nôfotro hankamarignigny amin'ny asan'ny lalàgna akeo imasony. Fa amin'ny alalan'ny lalàgna no havian'ny fahaizagna ny fotoagna.21Fa avaizo dia nambara koa fa ny fahamarignan-jagnahary tsy amin'ny lalàgna. Noporofoin'ny lalàgna sy reo mpagnazary, 22fa zany, no fahamarignan-jagnahary amin'ny alalan'ny finoagna an'i Jesôsy Kristy ho an'ny lehy jiaby mankantô. Satria tsisy fagnavahagna23Fa nanoto ny ôlo-jiaby kay tsy managna vogninahitry zagnahary, 24ary zareo dia hamarignigny maimaimpoagna amin'ny fahasoavagna amin'ny alalan'ny fagnavôtagna lehy akao amin'ny Kristy Jesôsy.25Zagnahary nangnomia an'i Kristy Jesôsy ho fagnomaizagna amin'ny alalan'ny finoagna ny liony. Namiany ho profon'ny fahamarinagnany Kristy nohon'ny tsy fizahavagna any ota tagny alôha 26amin'ny faharaitagna. Nitranga zany jiaby zany ho fagnambaragna ny fahamarignany amin'ny tô fotoagna avaizo tô. Zany dia mbô hahavitany magnaporofo fa marigny ny haigniny, avakeo mbô hagnambaragna fa Izy dia magnamarigny ny jiaby nohon'ny finoagna an'i Jesôsy.27Aiza ary zany firaiharaihagna zany? Voafafa zany. Fa ino no antony? Amin'ny asa moa? Tsia fa nohon'ny fankatoavagna.28 Manapa-kevitra zany atsika fa ny ôlogno araiky dia hamarignigny araka ny finoagna tsisy reo asan'ny lalàgna.29Sa zagnahariny Jiosy zeraiky fôgna moa zagnahary? Kay tsy zagnaharin-jareo jentilisa koa moa izy. Ia, nihiny jentilisa koa. 30Raha araiky tatô zagnahary, dia ho hamarignigny amin'ny finoagna reo voafora koa amin'ny alalan'ny finoagna.31Foagnantsika amin'ny alalan'ny finoagna moa zany ny lalàgna. Tsy hoisy zany! Fa naifa, magneky ny lalàgna atsika .Chapter 4
1Ino ary no hambarantsika fa hitan'i Abrahama, babantsika talôha tagny ny nôfotro?2Fa raha nohamarignigny tamin'ny asa Abrahama, dia nanagna antony hiraiharaihagna izy, naifa tsy akeo ankilan-jagnahary.3Fa ino no volagnin'ny soratra Masigny? "Abrahama dia nankatô zagnahary , aveo nandiniky ho fahamarignagna zany.4Ary ho an'ny lehy miasa, ny karamanazy dia tsy isahigny ho fahasoavagna, fa ho tôrotro lehy trosa. 5Fa hoany lehy tsy miasa ndraiky naifa mankatô an'Ilay araiky lehy magnamarigny ny mpanositry zagnahary, dia isahigny ho fahamarignagna ny finoagna.6Davida koa dia nivôlagna tso-drano amin'ôlogno lehy isahin-jagnahary ho marigny naifa tsy miasa. 7Nivôlagna izy hoe: "Sambatra reo lehy voavaila helony, aveo koa reo lehy voasagno ny fahotagna. 8Sambatra lehy tsy isahiny Tômpo heloko."9Amin'ny reo voafora koa moa hivôlagnagna zany tso-drano zany, sa amin'ny reo tsy voafora koa? Fa nivôlagna atsika hoe: "Ny finoagna dia nisahin'i Abrahama ho fahamarignagna." 10Kay akôry ary no nagnisahany zany? Tamin'i Abrahama afa voafora sa, tamin'ny izy mboala tsy voafora? Tsy tamin'ny izy afa voafora fa tamin'ny izy mboala tsy voafora.11Abrahama dia nalaka famantaràgnan'ny famoragna. Zany dia mariky ny fahamarignan'ny finoagna lehy afa nanagnany raha mboala tsy voafora izy. Ny valin'ny zany famantaragna zany dia nanjary baban'ny lehy mankatô jiaby izy, na dia mboala tsy voafora aby zareo. Midika zany fa ny fahamarignagna dia hisahigny hoan-jareo. 12Nidika koa zany fa Abrahama dia nanjary baban'ny lehy voafora tsy ho an'ny reo lehy voafora araiky fôgna fa ho an'ny reo lehy mizôho finoagnan'i Abrahama babantsika koa talôhan'ny tsy mboala naha-voafora azy.13Fa ny fampanantainagna tamin'i Abrahama sy reo tamingany fa ho mpandôva tô tany tô izy dia tsy avy amin'ny alalan'ny lalàgna fa avy amin'ny alala'ny fahamarignan'ny finoagna. 14Fa raha reo lehy miaigny amin'ny lalàgna no mpandôva, dia ho foagna ny finoagna, ary maivagna ny fampanantenagna. 15Satria ny didy dia minday amin'ny fahavigniragna, fa agny amin'ny lehy tsisy lalàgna, dia tsisy fandikagna lalàgna.16Noho zany antony zany dia miboaka amin'ny finoagna zany, mbô hibidôhan'ny fampagnantainagna amin'ny fahasoavagna avakeo ho azo antoko amin'ny reo tamingan'i Abrahama jiaby tsy ho an'ny reo lehy ambanin'ny lalàgna fôgna, fa ho an'ny reo lehy mirasa ny finoagnan'i Abrahama koa. Babantsika jiaby izy, 17araka voasôratra hoe: "Nitsaboiky ho baban'ny firenena fôntry anao." Teo amin'ny fagnatraihagnan'Ilay nitokiany Abrahama, dia, Zagnahary zany, lehy nagnamia fiainagna reo maty aveo nagnantso reo raha tsy mboala misy mbô hisy18Na dia teo aby reo zavatra mitranga ivailany, dia natoky tantairaka zagnahary i Abrahama amin'ny ho avy. Kay nanjary baban'ny firenena fôntry izy, araka lehy voavôlagna hoe: "Ho tôrotro zany ny taminganao."19Tsy narefo tamin'ny finoagna izy. Hain'i Abraha fa tsy afaka ny hanagna zanaka izy (Satria afa teo amin'ny zato tagno teo izy.) Nagneky fôgna koa izy fa bôkon'i Saraha dia tsy afaka ny hinday kibo eky.20Naifa nohon'ny fampanatainagnan-jagnahary, dia tsy nisalasala tamin'ny finoagna i Abrahama. Fa naifa nahay nafy tamin'ny finoagna izy aveo nidaira zagnahary. 21Resy lahatra tantairaka izy fa lehy nampanantainan-jagnahary, dia afaka tantirahigny fôgna koa. 22Noho zany dia nisahigny ho azy ho fahamarinagna zany23Naifa tsy nisoroatany ho tombontsoanazy zeraiky zany, fa nisahigny ho nihinazy zany. 24Nosoroatagna ho antsika koa zany, ho an'ny lehy hagnisahagna zany, atsika lehy mankatô Azy lehy nanangagna an'i Jesôsy Tômpontsika tamin'ny maty. 25Izy lehy araiky namiagna noho reo fahotagnantsika avakaeo nantsangagna mbô hankamarigny atsikaChapter 5
1Satria nohamarinigny tamin'ny finoagna atsika, dia managna fiadanagna miaraka amin-Jagnahary amin'ny alalan'ny Tompontsika Jesôsy kristy. 2Amin'ny alalany fogna no anagnantsika lalagna amin'ny finoagna mandaiha amin'ny zany fahasoavagna zay ijoroantsika zany. Miravoravo amin'ny fahatokiagna amen-Jagnahary zahay amin'ny ho avy zahay, fahatokiagna zay ho zaraintsika ao amin'ny voninahitr' i Zagnahary.3Tsy amin'ny zany fogna, fao atsika fogna koa dia miravo ao amin'ny fahoriantsika. Haintsika fa ny fahoriagna dia mamokatra faharaitagna. 4Ny faharaitagna mitairaka fankatoavagna, ary ny fankatoavagna mitairaka fahatokiagna ho amin'ny hoavy. 5Zany toky zany dia tsy mandiso fanatenagna, satria ny fitiavan-Jagnahary dia afa nalatsaka tao am-pôntsika tamin'ny alalan'ny Fagnahy Masigny, zay namiagna atsika.6Fao raha mbôla nalemy atsika, dia maty ara-potoagna ho an'ny ratsy fagnahy Kristy. 7Fao soratra ho an'ny ôlogno araiky ny hofoaty ho an'ny ôlogno marigny. Fa, angamba mety misy ôlogno araiky mahasaiky hofoaty ho an'ôlogno tsara.8Fa Zagnahary magnaboaka ny fitiavany manokagna amintsika, satria raha mbôla mpanota atsika, dia maty ho antsika Kristy. 9Mihotra noho zany aby, amizao. Koafa nohamarinigny tamin'ny liony atsika, dia ho voavonjin'zany amin'ny fahatezaran-Jagnahary10Fao raha, mbôla fahavalo atsika, dia nihavagna tamin-Jagnahary tamin'ny alalan'ny fahafataisan'ny Zanany, aveo mihoatra noho zany, koafa avy nampihavanigny, dia ho voavonjy amin'ny alalan'ny ainy atsika . 11Ary tsy zany fogna, fao atsika fogna koa dia miravo ao amin-Jagnahary amin'ny alaln'i Tompontsika Jesôsy Kristy, zay nazahoantsika zany fihavanagna zany amizao.12Noho zany aveo, mitôvy ny idiran'ny ota tamin'ôlogno araiky tamin'izao tontolo izao, dia mitôvy zany koa no nidiran'ny fahafataisagna tamin'ny alalan'ny ota. Ary ny fahafataisagna dia nahazo tamin'ny ôlogno jiaby, satria samby nanota aby jiaby. 13Nandra-pisiany lalàgna, dia teto amin'izao tontolo izao ny ota, fa tsisy fagnisahan-keloka koafa tsisy lalàgna.14Naifa na zany aby, ny fahafataisagna dia nanjaka nanomboka tamin'i adama kay hatramin'i Mosesy, na dia teo amin-jareo zay tsy nanota mitôvy ny tsy fankatoavan'i adama aby, zay kandindagna lehy hoavy. 15Naifa na zany aby, ny fanomaizagna dia tsy mitôvy ny fahadisoagna. Fa raha tamin'ny alalan'ny fahadisoagnan'ny araiky no nahafaty ny maro, dia mihoatra lavitry no natan'ny fahasoavan-Jagnahary ndraiky fagnomiazagna avy amin'ny fahasoavan'ny lehy ôlogno araiky, Jesôsy Kristy, namiagna be ho an'ny maro.16Fan ny fgnomaizagna dia tsy karaha ny vokatra avy amin'ny lehy araiky zay nanota. Fao amin'ny lafiny araiky, tonga ny fitsaragna ho fagnamelohagna nohon'ny fahadisoagnan'ny ôlogno araiky. Fao amin'ny lafiny araiky hafa, ny fagnomaizagna miafara amin'ny fagnamarinagna dia tonga tafaran'ny fahadisoagna maro. 17Fao raha, tamin'ny alaln'ny fahadisoagnan'ny araiky, no hanjakan'ny fahafataisagna amin'ny araiky, dia mihotra lavitry noho zany ny hanjakan-jareo zay man malaka ny hagidasan'ny fahasoavagna ndariky fagnomiazagna ny fahamarinagna amin'ny alalan'ny fiainagna lehy araiky, dia Jesôsy Kristy.18Noho zany ndraiky, satria tamin'ny alalan'ny fahadisoagnan'ny araiky no hahatonga ny ôlogno ho amin'ny fagnamelohagna, dia amin'ny alalan'ny asan'ny fahamarinagna ny araiky fogna koa no hatongavan'ny fagnamarinagna ny fiainagna ho an'ny ôlogno jiaby. 19Fao satria avy amin'ny tsy fagnikaihan'ny ôlogno araiky no nahatonga ny maro ho mpanota, dia amin'ny alalan'ny fagnikaihan'ny araiky fogna koa no hahatonga ny maro ho marigny.20Fao tonga tao amin'ny zany ny lalàgna, mbô ho gaida ny fahadisogna. Naifa raha nahay gaida ny fahotagna, dia vao maika nahay gaida ny fahasoavagna. 21Nisy zany mbô karaha ny nanjakan'ny fahotagna tamin'ny fahafataisagna, dia karaha zany koa no hanjakan'ny fahasoavagna amin'ny alalan'ny fahamarinagna ho amin'ny fainagna bariky ditany amin'ny alalan'ny Jesôsy Kristy Tompontsika.
Chapter 6
1Ino ary no hambarantsika? Tôkony hanôhy amin'ny fahotagna moa atsika mbo hitomboan'ny fahasoavagna? 2Tsihoisy eky zany. Atsika zay maty ny amin'ny ota, amin'ny fomba manakôry moa no mbala hiaignantsika amin'ny zany foagna?3 Tsy hainareo moa fao zareo jiaby natao batisa tao amin'i Kristy Jesôsy dia natao batisa tao amin'ny fahafataisany?4Koa, voalevigny, niaraka taminy tamin'ny alalan'ny batisa ho amin'ny fahafataisagna atsika. Niboaka zany mbo ho tôrotro ny fananganagna an'i Kristy tamin'ny maty tamin'ny vogninahitry ny Baba, no andihianantsika amin'ny fiainam-baovao fogna koa.5 Fao raha mitambatra Aminazy amin'ny endriky ny fahafataisagna atsika, dia hitambatra amin'ny fitsanganany izy voanykoa.6Haintsika zany, fao ny taignantsika talôha dia nifantsaihagna niaraka taminazy, mbo hamotaihagna ny aignin'ny ota. Niboaka zany mbo ho andevozin'ny ota eky atsika.7 Izy zay maty dia nambara fao marigny salakady afaka amin'ny fahotagna.8Fao raha maty niraka tamin'i Kristy atsika dia mankatô fao hiara-belogno Aminazy faogna. 9Atsika dia mahay fao nitsangagna tamin'ny maty Kristy, ary tsy maty eky Izy. Tsy manjaka Aminazy eky ny fahafataisagna.10Fao raha momba ny fahafataisagna dia maty nohon'ny amin'ny fahotagna Izy, maty ndraiky mandaiha ho an'ny jiaby Izy. Kanaifa, ny fiaignagna zay hiaignany ho an-Jagnahary.11 Dia tôrotro zany, tsy maintsy mandiniky ny taignanareo ho afa maty amin'ny fahotagna foagna koa areo, fao velogno ho an-Jagnahary ao amin'i Kristy Jesôsy.12Noho zany aza availa hanjaka ao amin'ny taignanareo mety maty ny ota mbo hagnarahanareo ny filàgna ratsy. 13Aza atôlotro ho an'ny fahotagna ny rantsam-batagnareo, ho fitaovagna ampiasaigny amin'ny tsy fahamarignagna. Fao atolôro ho an-Jagnahary ny taignanareo, torotro ny ny nitsanganagna tamin'ny maty zay velogno avaïzo. Ary atolôry ho an-Jagnahary ny rantsam-batagnareo mbo ho fitaovagna ampiasaigny amin'ny fahamarignagna. 14Aza availa hanjaka aminareo ny ota. Satria tsy ambanin'ny lalàgna areo, fao ambanin'ny fahasoavagna.15Kay ino ary? Tôkony hanota moa atsika satria tsy ambnin'ny lalagna, fao ambanin'ny fahasovagna? Tsy hoïsy eky zany. 16Tsy hainareo moa fao lay araiky zay anolôranareo ny taignanareo ho mpanompo dia lay araiky zay ho hankatoavinareo? Marigny zany na mpanompon'ny fahotagna zay mitariky agny amin'ny fahafataisagna areo, na mpanompon'ny fanktoavagna zay mitariy agny amin'ny fahamarignagna.17Fao isaoragna Zagnahary! Satria afa mpanompon'ny fahotagna areo, kanaifa nankatô tao am-pônareo ny fomba fampianaragna zay namegny areo. 18Nalagna tamin'ny ota areo, ary natao mpanompon'ny fahamarinagna.19Mivolagna tôrotro ny ologno zaho noho ny fahalemen'ny nôotronareo. Satria vantany vao nanôlotro ny rantsam-batagnareo ho andevon'ny fahalotoagna ndraiky ny ratsy areo, dia tôrotro zany koa zao, atolôry ho amin'ny fahamasinagna ny rantsam-batagnareo. 20Fao mbala are andevon,ny ota, dia afaka tamin'ny fahamarinagna. 21Amin-jeo, ino ary ny vokatra azonareo tamin'ny regny raha zay mahamaingatra areo avaïzo? Satria ny vokatr'iregny raha regny dia ny fahafataisagna.22Fao avaïzo koafa nalagna tamin'ny ota areo aveo nanjary mpanompon-Jagnahary, dia mahazo ny fahamasinagna. Ny vokatra dia ny fiainagna barokodontany.23 Fao ny valin'ny ota dia fahafataisagna, fao ny fagnomaizan-Jagnahary ndraiky dia ny fiainagna barokodontany ao amin'i Kristy Jesôsy Tompontsika.Chapter 7
1Saha tsy hainareo, oa rahalahiky (satria miragna amin'ny ologno mahay momba ny lalagna zaho) , fao ny lalagna dia mibaiko ny ologno araiky mbala velogno koa izy?2Fao ny vaïavy zay manambbady dia voarôhin'ny lalagna amin'ny vadiny raha mbala velo;gno izy, fao koa maty lay vadiny, dia afaka amin'ny alalan'ny fanambadigna izy.3 Noho zany, koa mbala velogno ny vadiny, raha saindra kay miaraka amin'ny lalahy hafa izy, dia hantsovigny hoe mpijangajanga izy. Fao koa maty lay vadinyj, dia afaka amin'ny lalagna izy, kay tsy mpijangajanga izy raha saindra kay miaraka amin'ny lalahy hafa.4Noho zany, oa rahalahiky, dia natao maty tamin'ny lalagna foagna koa areo tamin'ny alalan'ny taignan'i Kristy. Natao zany mbo hitambaranareo amin'ny hfa, zany hoe, amin'Izy zay natsangagna tamin'ny maty, hafahantsika mamokatra voa tsara ho an-Jagnahary. 5Fao tamintsika tao amin'ny nôfotro, ro filagnan'ny fahotagna, zay nihitsehin'ny lalagna, dia niasa tao amin'ireo rantsantsika mbo hamokatra voa hoan'ny fahafataisaigna.6Fao avaïzo dia nalagna tamin'ny lalagna atsika. Maty tamin'n lay namehy atsika atsika. Zany dia mbo hafahantsika manompo amin'ny havaozam-pagnahy, fao tsy amin'ny fahantairan'ny soratra.7Ino ary no hikoragnintsika? Ny lalagna lasiteny moa fahotagna? Tsy hoïsy lasiteny zany. Kanaifa, tsy ho nahay ny fahotagna lasiteny zaho, koa tsy tamin'ny alalan'ny lalagna zany.Fao tsy ho nahay ny fagniriagna zaho koa tsy nivolagna lalagna hoe: "Aza magniry." 8Faonala-pôtotro tamin'ny didy ny fahotagna kay nahomby ny fagniriagna jiaby ato aminaha. Izikoa tsisy ny lalagna, dia maty ny ota.9Taloha zaho dia velogno tsisy lalagna, fao koafa niboaka ny didy, dia velogno indraiky ny ota, kay maty zaho. 10Ny didy zay tôkony handay fiainagna no nitsimbadiky ho fahafataisagna ho nihinaha.11Fao ny fahotagna dia nala-pôtotro tamin'ny alalan'ny didy kay navandy zaho. Tamin'ny alalan'ny didy no namoany zaho.12 Noho zany ny lalagna dia masigny, ary ny didy dia masigny, marigny, aveo tsara.13Koa moa ve nivadiky fahafataisagna aminahy zay tsara? Tsy hoïsy lesiteny zany. Fao ny ota, mbo hafahany hiboaka ho fahotagna amin'ny alalan'ny zay tsara, dia nitonga fahafataisagna taminaha. Zany dia mbo ho amin'ny alalan'ny didy, ny fahotagna dia mety hanjary taigna fahotagna tatô.14 Fao haintsika fao ara-pagnahy ny lalagna, fao zaho avy amin'ny nôfotro. Afa navidy ho akao ambanin'ny fahandevozan'ny ota zaho.15Fao ny raha atako, dia tsy taigna azoko tsara. Satria zay tiàko atao, dia tsy atako, ary zay halako, dia atako.16 Fao koa magnano zay tsy tiàko zaho, dia miombon-kevitry amin'ny lalagna fao tsara ny lalagna.17Fao avaïzo dia tsy zaho eky no magnano zany, fo ny fahotagna zay velogno ato agnatinaha. 18Fao haiky fao akato aminaha, zay akato amin'ny nôfotronaha, dia tsisy raha tsara miaigny. Fao ny fagniriagna ny tsara dia akato aminaha, kanaifa tsy afaka magnano zany zaho.19Fao ny tsara zay tiàko dia tsy atako, fao ny ratsy zay tsy tiàko, no atako.20 Ary koa magnano zay tsy tiàko atao zaho, dia tsy zaho eky no magnano zany, fao naifa ny fanotagna zay miaigny akato aminaha. 21Ary, zaho dia nahita, ny fitsipiky akato aminaha fao te-hagnano zay tsara zaho, kanaifa ny ratsy no akato aminaha zao.22Fao miravoravo akao amin'ny lalagnan-Janahary zjo amin'ny fagnahy maha ologno. 23Kanaifa mahita fitsipiky araiky hafa akao amin'ny mahakasiky ny haigninaha zaho. Izany dia miady amin,ny zany fitsipiky vaovao akao antsaignihana zany. Mitagna zaho ho andevon'ny fitsipiky ny fahotagna zay akao amin'ny mahakasiky ny haigninaha zany.24Ologno mijaly zaho! Zôvy no hamonjy zaho amitôho haignin'ny fahafataisagna tô?25 Fao isaoragna Zagnahary amin'ny alalan'i Jesôsy Kristy Tompontsika! Noho zany, zaho vokany dia manompo ny lalagna n-Jagnahary amin'ny saignenaha.Na dia zany aby, mdia manompo ny fitsipikin'ny fahotagna amin'ny nôfotro zaho.Chapter 8
1Nohon'ny zany dia tsy misy fagnameloahagna aky avaizo ho an'ny reo lehy akao amin'i Kristy Jesôsy.2 Fa ny fitsipikin'ny fagnahin'ny fiainagna akao amin'i Jesôsy Kristy no nagnavotro zaho tamin'ny fitsipikin'ny fahotagna ndraiky fahafataisagna.3Fa lehy tsy afaka nataon'ny lalàgna nohon'ny fahalemen'ny zany tamin'ny nôfotro, dia natan-Jagnahary. Nagnandaifa ny zanany lalahy araiky Izy tamin'ny endriky ny nôfotro rakotro fahotagna mbô ho fagnatitry ho an'ny ota, ary nagnameloko ny ota tao tao agnatan'ny nôfotro izy. 4Natany zany mbô hahatonga ny raha takin'ny lalàgna, atsika lehy mandaiha tsy araka ny nôfotro, fa araka ny fagnaha.5 Zareo lehy miaigny araka ny nôfotro dia mihorigny amin'ny reo raha ny vatagna, fa reo lehy velogno araka ny Fagnahy dia mihorigny amin'ny reo zavatry ny Fagnahy.6Satria ny fandiniahagna mifôtotro amin'ny nôfotro dia fahafataisagna, fa ny fandiniahagna mifôtotro amin'ny Fagnahy ndraiky dia fahavilômagna avakeo fiadanagna.7 Ny fandiniahagna mifôtotro amin'ny nôfotro dia fandrafiagna akeo ankilan-Jagnahary, fa tsy mifagnaraka amin'ny lalàgnan-Jagnahary zany.8 Reo lehy akao amin'ny nôfotro dia tsy afaka ny hikehin-Jagnahary.9Kanaifa, areo dia tsy akao amin'ny nôfotro fa akao amin'ny Fagnahy, izy koa marigny ady fa mihaigny akao aminareo ny Fagnahin-Jagnahary. Fa izy koa misy ôlogno tsy managna ny Fagnahin'i Kristy, dia tsy Azy izy.10 Izy koa akao aminareo ady Kristy, dia maty nohon'ny fahotagna ny vatagna, fa ny fagnahy dia velogno nohon'ny fahamarinagna11Izy koa ny Fagnahin'ny lehy nampitsangagna Jesôsy tamin'ny maty ady velogno akao aminareo, dia Izy lehy nagnatsangagna Kristy tamin'ny maty no hagnamia fiaignagna koa ho an'ny haigninareo lehy manjary maty amin'ny Fagnahy, lehy velogno akao aminareo.12Kay noho zany, ry rahalahy, dia mpitrôsa atsika, fa tsy akao amin'ny nôfotro mbô hiaigny araka ny nôfotro. 13Fa izy koa mihaigny araka ny nôfotro areo, dia hofoaty, fa izy koa amin'ny Fagnahy lehy amononareo ny asam-batagna, dia ho velogno areo.14Fa karaha reo jiaby voatariky ny Totrin-Jagnahary, zareo no zanaka Zagnahary .15 Fa tsy nangala ny fagnahin'ny fagnabotoagna koa areo kay hatahotro. Fa naifa, nangala ny Totrin'ny fagnatsanganan-taminga areo, lehy hantsôntsôvintsika hoe: "Aba, oa Baba!"16Ny Fagnahy no taigna tomoa amin'ny totrintsika fa zana-Jagnahary atsika. 17Izy koa zanaka ady atsika, dia mpamdôva koa, mpandôva an-Jagnahary. Avakeo lôva araiky akao amin'i Kristy atsika, izy koa taigna sahiragna miaraka Aminazy tatôboeny atsika dia amiagna vogninahitry miaraka amin'Azy koa.18Fa koragniky fa reo fijaliagna amin-jeo fotoagna zeo io dia tsy magnaiva ampitovigny amin'ny vogninahitry lehy haboaka amintsika. 19Fa ny voahary jiaby lehy magnantaigna fatatra dia mandigny ny fagnaboahagna reo zana-Jagnahary.20Fa ny voahary dia natao ho raha tsisy dikany, tsy nohon'ny sitrapônazy manôkagna, fa noho lehy nagnano zany. Zany dia akao amin'ny toky namiagna21 fa reo voahary no taigna ho alagna amin'ny fagnabotoagnan'ny fahalòvagna, avakeo hinday akagny amin'ny fahafahagna ny amin'ny vogninahitry ny zana-Jagnahary zany.22 Fa haintsika fa ny voahary jiaby dia miara-miaimbe sindraiky miara-miasa akao agnatin'ny fanaintainagna na amin-jeo aby.23Tsy zany fogna, fa na ny haignintsika aby, lehy managna ny voalôham-bôkatra ny Fagnahy na ny haignintsika aby dia miaimbe akao agnatintsika, mandigny ny fampitsanganagna atsika mbô ho zanaka, dia ny fagnavôtagna ny haignintsika. 24Fa tamin-jany taigna zany no nagnavôtagna atsika. Fa lehy atokisantsika fa hiboaka dia mboala tsy hita, fa zôvy no mandigny amin'ny fahatokiagna lehy afa hitany? 25Fa izy koa matoky amin'ny raha mboala tsary hitantsika atsika, dia mandigny zany amin'ny fahendriagna.26Karaha zany koa, ny Totry dia magnampy akao amin'ny fahalemiantsika. Fa atsika tsy mahay lehy vavaka tôkony atantsika, fa ny Totry no taigna mitsôtro atsika amin'ny fisentoagna tsy hay koaragnigny.27 Izy lehy mandiniky ny fô no mahay ny hevitry ny Totry, satria Izy no mitrôtro ho an'ny mpankatô araka ny sitrapôn-Jagnahary.28Haintsika fa reo lehy tia Zagnahary, dia miaraka ampiasainy ho amin'ny tsara aby ny raha jiaby, ([Fanamariahagna: Raha tôkony hoe " Miaraka ampiasainy ho amin'ny tsara aby ny raha jiaby," dia dikan-tsoratra sasany talôha magnano hoe: "Ny raha jiaby dia miara-miasa amin'ny raha tsara."]) ho an'ny reo lehy voahantso araka ny fandaharany.29 Satria reo lehy hainy talôha, dia nirahiny talôha koa mbô hitôvy bika amin'ny Zanany, mbô ho talagnôlo akeo agnivon'ny rahalahy fôntry izy. Reo lehy nirahiny nanampôgno, dia nantsôviny koa. 30Reo lehy nantsôvony, dia namarigniny koa. Reo lehy namarigniny, dia namiany vogninahitry koa.31Ino àry raha tôkony hikoragnintsika mikasiky reo raha reo? Izy koa mikarakara atsika ady Zagnahary, zôvy moa mahadigny atsika?32 Izy lehy tsy namalavala ny Zanany lalahy tôkagna fa nagnamia Azy ho antsika jiaby, ahoana moa tsy hagnamiazany atsika maimaimpoagna miaraka Aminazy ny raha jiaby koa?33Zôvy moa hinday fagnambaragna hamaly reo ôlom-boafidin-Jagnahary? Zagnahary no lehy araiky magnamarigny zany. 34Zôvy lehy araiky hagnameloko? Kristy no lehy araiky maty ho antsika, avakeo lômbolômbon'ny zany, nampitsanganigny koa Izy. Manapaka miaraka amin-Jagnahary akeo amin'ny fantairam-bogninahitry Izy, avakeo Izy lehy mitsôtro ho antsika.35Zôvy moa hampisaraka atsika amin'ny fitiavan'i Kristy? Fahoriagna, sa fijaliagna,sa fagnindriagna, sa tihinagna, sa tsy fanagnan-damba, sa loza, sa sabata? 36Araka ny voasôratra hoe: "Avy aminao fogna namonoagna zahay lava andro tô. Nalaigny karaha ondry hivonoigny zahay."37Akao agnatin'ny zany raha jiaby zany dia ambonimbonin'ny mpandresy zahay amin'ny alalan'ny lehy araiky tia zahay.38 Fa resy lahatra zaho fa na ny fahafataisagna, na ny fiaignagna, na reo anjely, na reo fanjakagna, na reo raha avaizo, na reo raha ho tonga, na reo ngôvo,39 na ny hambo, na ny laligny, na zavaboary sasany, dia tsy tafisaraka atsika amin'ny fitiavan-Jagnahary, lehy akao amin'i Kristy Jesôsy Tômpontsika.Chapter 9
1Magnambara ny marigny ao amin'i Kristy zaho. Tsy mavandy zaho, ary ny eritreritry enaha no vavolombelogno miaraka aminaha ao amin'ny Fagnahy Masigny, 2fao hozy zaho dia misy alahelo gaida aveo fahoriagna tsy mijanogno ato am-pô naha.3Fao afaka nagniry zaho fao zaho dia ho voahazogno kay hiataka amin'i Kristy noho ny amin' reo rahalahiko, reo zay araiky firazagnagna aminaha araka ny nôfotro. 4Zareo dia Israelita. Zareo dia managna fanagnagna, ny vogninahitry, reo fagnikaihagna, ny fagnomiazan'ny lalàgna, ny fidairagna Zagnahary, ary reo fampanantenagna. 5Nihi-jareo dia reo razagna zay nahatonga an'i kristy ho tonga nôfotro, Izy zay Zagnahary ambonin'ny jiaby. Hidairaigny mandrakizay anie Izy. Amena.6Fao tsy foagna reo zay nampanantenain-Jagnahary. Fao tsy zay jiaby avy agny israely no tegna an'Israely. 7Na reo tamingan'i Abrahama jiaby no tegna zanany. Fao: "Amin'ny alalan'ny Isaka no hagnantsaovagna reo taminganao."8Zany hoe, reo zanaky ny nôfotro dia tsy zanaka Zagnahary. Fa reo zanakin'ny fampanantenagna no raisigny ho taminga. 9Fao otry zao ny volagnan'ny faampanantenagna: " Amin'zany fotoagna zany dia ho avy Zaho, ary hamiagna zazalahy Saraha."10Tsy zany fogna, fa avy eo koa Rebeka hanan-janaka amin'ny lalahy araiky, Isaka babantsika_ 11fa mbôla tsy tairaka aby reo zaza ary mbôla tsy nagnano raha tsara na ratsy, mbô ho marigny ny tanjon-Jagnahary araka ny fisafidianagna, tsy noho reo asa, fao noho Izy zay magnantso_ 12nagnambara tamin'ny vaiavy hoe: "Ny zokiny dia hanompo ny zandriny." 13Zany dia hotry zay voasaoratra hoe: "Jakoba tiako, fa Esao halako."14Ino ary no ho hivolagnintsika? Misy tsy fahamarinagna moa miaraka amin-Jagnahary? 15Tsy hisy lasite zany. Fao ho Izy tamin'i Mosesy hoe: "Hamindra fô amin'zay tiako hamindragna fô zaho, aveo haforaigny reo zay tiako hafiraignàko zaho." 16Noho zany aveo, dia tsy noho izy mikasa zany, na noho izy zay miazakazaka, fao noho Zagnahary, zay nagnaboaka ny famindram-pô.17Fao ny Soratra Masigny nagnambara tamin'ny Farao hoe: "Fa noho zany antony zany no nagnandratako anao, mbô hagnaboahako aminao ny angôvo anaha, ary mbô hagnamabaragna ny agnaragna naha eran-tany. 18Noho zany, Zagnahary dia mamindra fô amin'zay tiany hamindragna fô, ary zay tiany hamafisigny fô, no hamafisin'ny fô.19Avakeo hagnambara aminaha areo hoe: "Nagnino no mbôla mahita tsigny fogna Izy?" Fa zôvy no mahatohitry ny sitrapôny? 20Mifanohitry amin-jany, ralelilahy, zôvy moa anao no mamaly manohitry Zagnahary? Moa zay afa nivolivolaigny hagnambara amin'ny mpamolavola zany hoe: "Nagnino no nataonao karaha zao zaho?" 21Moa ny mpanefy vilagny tsy managna zo amin'ny tanimanga kay ny vongany araiky fogna no hagnamboaragna fipitrahagna amin'ny andro votaokgna, ary fipitrahagna araiky hafa amin'ny andavanandro?22Akôry raha zagnahary, zay tiahagnaboaka ny fahatezairagna ndraiky hagnambara ny fahefany, no niaritry tamim-paharaitagna reo fipitrahan'ny fahatezairagna monigny ho amin'ny fahasimbagna? 23akôry raha natany zany mbô hagnambaragna ny hariagnany vogninahitry eo amin' reo fipitrahan'ny faminfdram-pô, zay afa nomanigny mialaoha ho amin'ny vongnahitry? 24Akôry raha natany ho antsika koa zany, zay antsôviny foagna koa, tsy ho eo amin'ny Jiosy fogna fao hoe amin'ny reo Jentilisa fogna koa?25Araka zay nambarany tao amin'i Hosea fogna hoe: "Hantsôviko hoe ôlogno anaha zay tsy ôlogno anaha, ary hoe tiany lehy tsy tiany. 26Avakeo dia agny amin'ny zay nagnambarany tamin-jareo hoe: "Tsy ôlogno anaha areo,' agny no hagnantsaovagna zareo hoe: "Zanaka Zagnahary velogno."27Isaia nagnantso mafy ny amin'Israely hoe: "Izy koa otry alagnagna amin'ny ranomasigny ny hisan'ny zanak'israely, dia ho voavonjy izy ndraiky ambiny, 28fao ny Tompo hitondra ny volagnany eto an-tany, feno ary tsy ho aila." 29Araka ny nivolagnin'Isaia mialoha hoe: "Raha ny Tompo tompon'ny maro no tsy nagnambaila taminga ho antsika, dia hitôvy an'i Sodoma atsika, ary hanjary otry Gomora."30Ino ar no hivolagnintsika? Fa reo Jentilisa, zay tsy nizaha ny fahamarinagna, no nahazo ny fahamarinagna, zay fahamarinagna avy tamin'ny finoagna. 31Fao israely, zay nizaha ny lalàn'ny fahamarinagna, dia tsy tonga tamin'zany.32Nagnino moa? Satria zareo tsy nizaha zany tamin'ny finoagna, fao tamin'ny asa. Tafintohignin'ny vaton'ny fagnafintohinagna zareo, 33araka zay afa voasaoratra hoe: "Zahavo, ao Ziona no agnambilako ny vaton'ny fanafintohinagna ndraiky tsangambaton'ny fandikan-dàlagna. Zay mino zany dia tsy ho maingatra.
Chapter 10
123Oa rahalahy, ny tian'ny fô nahy sy ny angahoky amin-jagnahary hoan-jareo, dia fagnavotagna zareo. Fa mitsangagna tomoa mikasika zareo zaho, fa mafana fô ho an'ny zagnahary zareo, naifa tsy araka ny fahaizany. Fa tsy mahay ny fahamarignan-jagnahary regny, aveo mikasa hagnambaila fahamarignan-jareo manôkagna. Tsy magneky ny fahamarinan-jagnahary zareo regny.4Fa Kristy no fahantantirahan'ny lalàgna ho fahamarignagna ho an'ny lehy mankantô jiaby. 5Fa Mosesy nanôratra mikasikan'ny fahamarignagna lehy avy amin'ny lalàgna hoe: "Ny ôlogno lehyb magnano ny fahamarignan'ny lalàgna dia hiaigny amin-jany fahamarignagna zany."6Fa ny fahamarignagna lehy avy amin'ny finoagna dia mivôlagna: "Aza mivôlgns zao am-pô hoe: 'Zôvy no hiakatra agny andagnitry?' (Zany dia, mampirôrogno Kristy); 7avakeo aza mivôlagna hoe: 'Zôvy no hirôrogno agny amin'ny laligny?''' (Zany dia, mampiakatra an'i Kristy amin'ny maty).8Fa ino no volagniny zany? "Eo marikitry anao ny teny, akao am-bavanao avakeo akao am-pônao."zany no tenin'ny finoagna, lehy volagninay. 9Fa raha amin'ny vavanao no agnikiahanao an'ny Jesôsy ho Tômpo, avakeo magneky akao amin'ny fônao fa natsangan-jagnahary tamin'ny maty Izy, dia havôtagna anao. 10Fa amin'ny fô no agnikiahan'ôlogno ny fahamarignagna, avakeo amin'ny vava no agnikiahagna ny fagnavôtagna.11Fa tô raha volagniny soratra masigny: "Tsy ho maignatra lehy mankatô Azy jiaby." 12Fa tsisy fahasamihafagna akeo amin'ny Jiosy sindraiky Grika. Fa Tômpo araiky fogna no Tompon'ny jiaby, ary hariagnam-pasoavagna ho an'ny lehy magnantso Azy izy. 13Fa lehy jiaby magnantso ny agnaran'ny Tômpo no havôtagna.14Akôry ary no ahafahan-jareo magnantso Azy lehy tsy nikehiny? Akôry no ahafahan-jareo magneky Azy lehy tsy regnin-jareo? Akôry no ahafahan-jareo mitandregny raha tsisy mpagnambara, raha tsisy mpagniraka? 15Araka lehy voasôratra hoe: "Zahavo ny hatsaran'ny tongotro reo mivôlagna reo raha tsaran'ny vaovao maharavoravo!"16Kanaifa tsy izy jiaby no nitandregny ny vaovao maharavoravo. Fa nivôlagna Isaia hoe: "Tômpo, zôvy no nankatô ny hafatray?" 17Noho zany ny finoagna dia avy amin'ny fitandrignaisagna, ary ny fitandrignaisagna avy amin'ny tenin'i Kristy.18Fa nivôlagna zaho hoe: "Kay tsisy nitandregny moa zareo?" Ia, taigna marigny. "Ny feon-jareo dia afa niboaka magnairan-tany, avakeo ny tenin-jareo bariky amin'ny farany tany tô.”19Ankoatrany zay, nivôlagna zaho hoe: "Kay tsy nahaymoa Israely?" Tamin'ny voanaloahany Mosesy nagnambara hoe: "Hatako sarôtony amin'ny lehy tsy firenena akory areo." Amin'ny firenena lehy tsisy fahaizagna, hatako homby amin'ny fahavigniragna areo.20Ary akeo bahery mahasaiky tatô Isaia izy koa fa nivôlagna hoe: "Hitany reo lehy tsy nizaha zaho zaha." 21Fa nivôlagna izy tamin'Israely hoe: "Tontolon'ny no namavarako tagnako tamin'ôlogno tsy mankatô ndraiky maditry."Chapter 11
1Ary nivolagna zaho,narian-Jagnahary moa ny olognonazy? Sagnatria edy zany. Fao zaho ndraiky koa dia Isiraelita, tamingan'i Abrahama, avy amin,ny fokon'ny Benjamina.2 Zagnahary dia tsy nagnary ny olognonazy, zay afa hainy talôha. Tsy hainareo moa zay voalazan'ny Soratra Masigny mahakasiky an'i Elia, dia lay fitaraignany tamin-Jagnahary nahazo an'Israely? hoe:3 Tompo, zareo dia namono reo mpagnazarinao, nagnapotiky ny alitaranao. Zaho araiky faogna tavaila, aveo mifôfo ny hamono zaho zareo."4Fao ino moa valin-teny nambaran-Jagnahry azy? "Nagnavaka fito arivo lahy ho an'ny taignako Zaho zay tsy nandongoalitry teo amin'ny Bala." 5Dia tôrotro zany, amin-je avaïzo ze indraiky koa dia misy tavaila indraiky nohon'ny fisafidianagna amin'ny fahasoavagna.6Fao koa avy amin'ny fahasoavagna zany, dia tsy avy amin'ny asa eky. Fao koa zany dia tsy fahasoavagna eky fahasovagna. ( [Fagnamarihagna: Ny antontan-taratasy sanany taloha dia mamaky hoe: "Kanaifa koa avy amin'ny ro asa zany, dia tsy fahasoavagna eky; fao koa zany dia tsy asa eky ny asa."]) 7Ino ary? Ny raha zay nizahan'Isiraely, dia tsy azony, fao ny voafidy no nahazo zany, ary nankamafisigny reo lambiny. 8Zany dia araka ny afa voasoratra hoe: "Zagnahary dia magnamia zareo ny fagnahin'ny fizaidazaidagna, maso mbo tsy hahitan-jareo, ave sofigny mbo tsy harignaisan-jareo, baroko niany."9Nivolagna Davida hoe: "Aoka ny latabatranazy ho harato ndraiky fandriky, ho vato mamandriky ndraiky valifaty amin-jareo.10 Aoka ny mason-jareo hohamaizignigny mbo tsy hahita, aveo aoka hondriky barokodontany ny tahaizan-jareo."11Dia nivolagna zaho hoe: "Izio moa tafintohigny zareo mbo ho lavo?" Sagnatria eky zany. Fao naifa, avy amin'ny fahalavoan-jareo, no nahavian'ny famonjiagna tamin-jareo jentilisa, mbo hampialogno zareo. 12Ary koa ny fahalavoan-jareo no hariagnan'izao tontolo zao, ary koa ny fahaviraizan-jareo no hariagnan-jareo jentilisa, doa magnankory ny halebiazan'ny fahatanterahan-jareo?13Fao avaïzo dia mivolagna aminareo Jentilisa zaho, ary koa mbala apositolin-jareo Jentilisa zaho, dia mankasitraka ny fanompoako. 14Mety hampialogno zareo zay avy amin'ny nôfotronaha manokagna zaho. Mety hamonjy ny sanany amin-jareo atsika.15Fao raha midika fampihavanagna magnairantany ny fandavagna zareo, dia ino handraisagna zareo zany fao fiainagna avy amin'ny fahafataisagna? 16Raha voatôkagna ny vôkatra voalôhany, dia ny ampahany amin'ny kobam-bary koa. Raha voatôkagna ny vahany, dia tôrotro zany foagna koa reo rantsany.17Fao raha nitapahagna ny rantsany sanany, ary koa anao, sampagna oliva no naharo tamin-jareo, aveo koa nifampizara tamin-jareo ny vahany mamokatra ny kakazo oliva anao,18 dia aza miraiharaiha amin-jareo sampagna. Fao koa miraiharaiha anao, dia tsy anao no no mitonga ny vahany, fao ny vahany no mitonga anao.19Dia hivolagna anao hoe: "Nitapahagna hiala reo rantsagna mbo hafahako mifandray aminazy." 20Marigny zany. Nohon'ny tsy finoan-jareo dia nitapahagna hiala zareo, fao areo dia mitsangagna tsara nohon'ny finoagnanareo. Aza magnano ny taignanareo ho agnambo, fao matahôra. 21Fao raha ny taigna sampagna aza tsy nambailan-Jagnahary, dia tsy hambailany indraiky koa anao.22Ary, zahao, ny fahatsoram-pô ndraiky ny fahasarotam-pôn-Jagnahary. Eto andagniny, ny fahasarotam-pô dia homby amin-jareo Jiosy zay lavo. Fao eto ankilany ndraiky, ny hatsaram-pagnahin-Jagnahary dia homby aminareo, koa mahadigny ao amin'ny hatsaram-pagnahy areo. Fao koa tsy zany dia ho tapahagna koa areo.23Ary na regny aby, koa tsy manôhy amin'ny tsy finoagnany zareo, dia haharo. Fao Zagnahary dia afaka magnampody magnaharo zareo indraiky.24 Fao raha nitapahagna tamin'ny kakazo oliva-dia areo, kay naharo tamin'ny kakazo oliva tsara, dia magnankory ny fihoaran'ny hafontriran'ireo jiosy, zay sampagna voajagnahary, naharo tamin'ny kakazo olivan-jareo manôkagna?25Fao tsy tiàko tsy hahay areo, ry rahalahiky, ny amin-jany raha mivôny zany, mbo tsy hampisy fagnahy areo amin'ny menimeninareo manôkagna. Zany raha mivôny zany dia afa nahamafy lôha ny ampahany amin'Isriraely, mandrapa-havin'nyfahafinoan-jareo Jentilisa.26Noho zany dia hovonjegny aby ny Isiraely jiaby, araka ny voasoratra hoe: "Hiboka avy agny Ziona ny mpagnafaka. Hagnala ny haratsiam-pagnahy amin'i Jakoba Izy, 27ary zany no ho fagnikiam-pihavanagnanaha amin-jareo, koafa hagnala ny fahotan-jareo Zaho."28Amin'ny lafiny araiky mahakasiky ny vaovao mhafaly, dia fahavalo zareo nohon'ny aminareo. Amin'ny lafiny araiky hafa araka ny safidin-Jagnahary, dia tigna zareo noho reo razagna.29 Fao reo fagnomaizagna ndraiky antson-Jagnahary dia tsy miôva.32Fao areo dia tsy nankatô an-Jagnahary fahaila, kanaifa avaïzo areo dia nangala ny famindram-pô nohon'ny tsy fankatoavan-jareo. 31Torôtro zany foagna koa, avaïzo reo Jiosy dia tsy nankatô. Ny vokany dia tamin'ny alalan'ny famindram-pô zay naboaka areo no mety hangalan-jareo famindram-pô indraiky koa avaïzo. 30Fao Zagnahary afa nagnidy ny tsy fankatoavagna jiaby, mbo afahany hagnaboaka famindram-pô amin'ny jiaby.33Zahao, halalignan'ny reo hariagnan'ny fahendrena ndraiky fahaizan-Jagnahary! Tsy takatry ny saigny reo fitsaragnanazy, ary reo lalany dia tsy hay refesigny! 34'Fao zôvy moa nahay ny fandinihany Tompo na zôvy no hanjary mpanolo-tsaigny Azy?35Na zôvy no hagnamia raha an-Jagnahary aloha , kay tsy maintsy hagnifan-Jagnahary azy indraiky? " 36Fao avy Aminazy ndraiky amin'ny alalany ary ho Nihinazy raha jiaby. Ho Azy barokodintany ny vogninahitry. Amen.Chapter 12
1Mangataka areo zaho noho zany, ry rahalahy, noho reo famindrampôn-Jagnahary, mbô hagnamia ny haigninareo ho hofagna velogno, masigny, kehin-Jagnahary. Zany no fanompoanareo araka ny tôkony ho izy. 2Aza mitôvy amin'ny tany jiaby, fa magnovoa amin'ny fagnavaozagna ny saigninareo. Atôvo tô mbô ho hahaizanareo raha tsara, azo kehigny, ary ny sitrapô lafa-Jagnahary.3Fa koragniky, nohon'ny fahasoavagna lehy namiagna zaho, ny tsy tôkony hanagnan'ôlogno jiaby zay akeo aminareo menimeny hagnampiakatra ny haignianazy mihoatra lehy tôkony ho minimineny. Fa naifa, tôkony handiniky am-pahendriagna zareo, karaha ny nagnamiazan-Jagnahary fatatra finoagna ny tsiaraikiaraiky aby.4Fa managna rantsagna fôntry amin'ny haignintsika atsika, kanaifa tsy mitôvy aby ny asan'ny reo rantsagna reo.5 Mitôvy amin-jany, atsika lehy fôntry be tô dia vatagna araiky fogna akao amin'i Kristy, ary rantsagna manokagna amin'ny tsiaraikiaraiky.6Managna fagnamiazam-pahasoavagna sambisany aby atsika araka ny fahasoavagna lehy namiagna atsika.Izy koa faminaniagna no fagnamiazam-pahasoavan'ny araiky, dia tôkony hatao araka ny hagidazam-pinoagnany.7 Izy koa fanompoagna no fanomezam-pahasoavan'ny araiky, dia izy tôkony hanompo. Izy koa nisy araiky nahazo fanomezam-pahasoavagna hagnanatra, izy tôkony hagnanatra. 8Raha fampaheraizagna no fagnamaizam-pahasoavan'ny araiky, izy tôkony hampahery. Raha magnamia no fagnamiazam-pahasoavan'ny araiky, izy tôkony hagnano zany amim-pahalala-tagnagna. Izy koa hitariky no fagnomiazam-pahasoavan'ny araiky, zany tôkony ho haifa amin'ny fitandraimagna. Izy koa hagnaboaka fangoraham-pô no fanomezam-pahasoavan'ny araiky, zany tôkony ho vita am-piravoravoagna.9Aoka ny fitiavagna tsisy fihatsaram-bailatsihy. Aza tia raha ratsy; tano mafy leh tsara. 10Izy koa mikasiky ny fitiavan'ny mpirahalahy, mifankatiava aminareo tsiaraikiaraiky aby. Raha ny mahakasiky ny fanomaizam-boninahitry, mifagnajà.11Raha ny mahakasiky ny fikiriza, aza misalasala. Raha mahakasiky ny Fagnahy, aoka hafana fô. Mahakasiky ny Tômpo, tompoy Izy. 12Miravoa akao amin'ny fahatokisagna zay hanagnanao mahakasiky ny ho avy. Maharaita amin'ny reo olagnao. Mivavaha fogna.13 Mifandrasa amin'ny zay tadiavn' ny mpankatô. Mizahava fomba fôntry hampiantragnoagna ôlogno14Misaora reo lehy magnindry anao; misaora ary aza magnozogno. 15Miaraha ravoravo amin'ny reo zay ravoravo; miaraha-mitomoagny amin'ny reo zay mitomoagny. 16Mitovia diniky amin'ny tsiaraikiaraiky. Aza misaigny amin'ny fomba miraiharaiha, fao keho reo ôlogno ambany. Aza mieritreritry ny haigninao ho misy fagnahy.17Aza mamaly ratsy ny ratsy. Magnanôva raha tsara fôntry hitan'ôlogno jiaby.18 Izy koa manajry, araka zay hazonao atao, mivavaha amin'ny ôlogno jiaby.19Aza mamaly ratsy ny haigninareo, oa tiako, fao amia lalagna ny fahavigniragna Zagnahary. Fa afa voasôratra hoe: "'Ahy ny vali-faty; Zaho no hamaly,' hoy ny Tômpo." Izy koa tihinagna ny fahavalo, amiazo hanigny izy.20 Izy koa tihigiaka izy, amiazo raha giahigny izy. Izy koa magnano zany anao, dia hamôrivôry vaimôtro akeo amin'ny talandohany." 21Aza magneky resin'ny raha ratsy, fa reseo amin'ny tsara ny ratsy.Chapter 13
1Aoka fagnahy jiaby hagneky reo manam-pahefagna ambony, fao tsisy fahefagna raha tsy avy amin-Jagnahary. Avakeo reo manam-pahefagna misy dia afa voatendrin-Jagnahary.2Noho zany zay manohitry zany fahefagna zany dia manohitry ny didin-Jagnahary; aveo zareo zay manohitra zany dia hahazo fitsaràgna amin'ny taignan-jareo.3Satria reo mpanapaka dia tsy fampitahôragna ho an'ny reo asa tsara, fao ho an'ny reo asa ratsy. Magniry ny tsy atahotra ny araiky akao amin'ny fahefagna moa areo? Magnanôva ny tsara, dia ho deraigny amin-jany anao.4Fao izy dia mpanompon-Jagnahary ho nihinareo amin'ny asa tsara. Fao raha magnano ny ratsy areo, dia matahôra, satria tsy manday ny meso tsisy dikany izy. Fao izy dia mpanompon-jagnahary, mpamaly ny fahavigniragna amin'ny lehy magnano ratsy. 5Noho zany dia tokony hagneky are, tsy nohon'ny fahavigniragna faogna, fao nohon'ny fieritreretagna faogna koa.6Noho zany dia magnifao haitra faogna koa areo. Fa mpanompon-Jagnahary reo manam-pahefagna, zay miandraikitry zany raha zany tsy mijanogno. 7Aloavo amin'ny tsiraikiraiky zay tokony nihin-jareo: magnifao haitra amin'ny zay tokony hagnifagna azy; magnifao fandi-tseranagna amin'zay tokony hagnifagna azy; matahôra an'ny zay tokony hatahoragna; magnajà an'ny zay mendrika zany.8Aza managna trosa na amin-jôvy na amin-jôvy, afa-tsy ny fifankatiavagna faogna. Fao zay tià ny magnodidigny azy dia nahantatairaka ny lalàgna: 9Fôntry reo didy: "Aza magnalatra vadin'ôlogno, aza mamono ôlogno, aza mangalatra, aza magniry," ary izy koa misy didy hafa ankoatrany reo koa, dia voafehy amin'ny tô fehezanteny tô zany: "Tiavo ny namanao karaha haigninao koa."10Ny fitiavagna dia tsy mandratra ny magnodidigny; noho zany, fitiavagna no fahatantirahan'ny lalàgna.11Noho zany, hainareo ny fotoagna, fao afa fotoagna hinjonanareo amin'ny toromaso edy zeo. Fao avaizo afa marikitry noho zay nankatovintsika tamin'ny voaloahany ny fagnavotagna atsika. 12Avy ny aligny, avakeo marikitry ny andro. Noho zany, alôhy hariagna reo asan'ny maïzigny, avakeo alôhy atsika hisikigny ny fiadian'ny fahazavagna.13Ndaha handaiha amin'ny lalagna mahitsy, karaha ny amin'ny andro, fao tsy karaha ny amin'ny reo firavoravoagna tsy ampaha-mendraihagna na koa ny fahamamoagna, ary alôho tsy handaiha amin'ny fahavaitavaitagna na amin'ny filàgna tsy voafehy, avakeo tsy ho amin'ny fifanohairagna na fialôgnagna. 14Fao misikina an'i Jesôsy Kristy Tompo, avakeo aza magnamia fisalasalagna ho any nôfotro, mbô hagnomezagna fafaham-pô ny filàgnany.Chapter 14
1Alaivo na lehy jiaby malemy amin'ny finoagna, aza mitsara mikasika ny tohan-kevitra. 2Ny ôlogno araiky dia managna finoagna hihinanagna na ino na ino, fao ny araiky hafa lehy malemy tsy mihinagna afa-tsy legioma3Aoka lehy mihinagna zavatra jiaby tsy handoto lehy tsy mihinagna ny jiaby; avakeo lehy tsy mihinagna raha jiaby ndraiky tsy mitsara lehy hafa mihinagna ny jiaby. Fao zagnahary afa nagneky azy. 4Zôvy moa anao lehy mitsara ny mpanompn'ôlogno hafa? Akeo agntraihan'ny tômpiny izy no mitsangagna na lavo. Fao hantsangagna izy, satria ny Tômpo dia afaka manangagna azy.5Ny ôlogno araiky dia mihevitra fao misy ny andro tsara raha oharigny amin'ny jiaby. Ny hafa ndraiky mihevitra fao mitôvy ny andro jiaby. Ambilao ny tsiraikeraiky hagneky araka ny saigninazy aby. 6Lehy mandiniky ny andro, dia mandinika zany ho an'ny Tômpo; ary lehy hômagna, dia hômagna ho an'ny Tômpo, fao misoatra zagnahary izy. Lehy tsy hômagna, dia mifady hanigny ho an'ny Tômpo, izy fôgna koa misaotra zagnahary.7Fao tsisy miaigny ho an'ny haigniny atsika, avakeo tsisy maty ho an'ny haigniny. 8Fao izy koa miaigny atsika, dia miaigny ho an'ny Tômpo. Araka zany na velogno atsika na maty, dia nihin'ny Tômpo. 9Fao amin-jany antony zany no nahafataisan'i Kristy aveo nahavilômany ndraiky, mbô hahatonga Azy ho salakady Tômpon'ny maty sady Tômpo'ny velogno.10Fao anao, nagnino moa anao mitsara ny rahalahinao? Aveo anao, nagnino anao malaigny rahalahinao? Fao atsika jiaby dia mbaola hitsangagna ho tsaraigny akeo agnatraihan'ny sezy fitsaragnan-jagnahary. 11Fao afa voasaoratra hoe: "Raha mbaola velogno koa zaho," afiky Tômpo, "dia hiforitry akeo agnatraihako ny lohalitry jiaby, aveo ny laila jiaby dia hidaira zagnahary."12Kay noho zany ary, atsika tsiraikiraiky avy dia hagnano tatitry ny haignenazy akeo anin-jagnahary. 13Kay aoka atsika tsy hifampitsara eky, fao naifa hanapaka zao, mbô tsy hisy hagnambaila vato mahatafintohigny na fandriky hoan' ny rahalahiny.'14Mahay zaho ave resy lahatra akao amin' ny Tômpo Jesosy, fao tsy misy tsy madio amin' ny aigniny. Fao hoany lehy malaka na ino na ino ho tsy madio, dia tsy madio zany ho azy.15 Satria raha malahelo nohon' ny amin'ny hanigny ny rahalahinao, dia tsy mandaiha am-pitiagna aky ana. Aza aratigny nohon' ny amin'ny hanigniareo reo zay nahafoizan'ny Kristy ny aigniny.16Koa aza magnambaila zay heritreretinare ho tsara ho ankaratsigny. 17Fao ny fanjakany Zagnahary dia tsy mahakasiky ny hanigny ndraiky rano figiahigny, fao mahakasiky ny fahamarinagna, fiadanagna, filagna akao amin' ny Fagnahy Masigny.18Fa lehy manompo an'i Kristy araka zany dia ankasitrahin-jagnahary ndraiky kehin' ôlogno. 19Noho zany, aoka atsika hanohy reo zavatry ny fiadanagna ndraiky reo zavatra zay manefy ny tsiraikiraiky aby.20Aza aratigny nohon' ny amin' ny hanigny ny asan-Jagnahary. Madio tatôboe ny raha jiaby, fa ratsy hoan'ny ôlogno lehy mihinagn' azy ave mahatonga azy ho tafintohigny. 21Tsara ny tsy mihinan-kanina, na migiaka divaigny, na ny raha jiaby zay mety hanafintohigny ny rahalahinao.22Ny finoagna anagnanao, akajio aka aminao ndraiky Zagnahary. Sambatra lehy tsy magnameloka ny aigniny amin'izay kehiny.23Lehy misalasala dia meloka raha mihinagna, satria tsy tamin' ny finoagna zany. Ave na ino na ino tsy avy amin' ny finoagna dia fahotagna.Chapter 15
1Ary atsika zay matanjaka dia tôkony handefitry ny fahalimiagnan'ny malemy, ary tsy tôkony hagnano zay mahafinaritry ny haignintsika. 2Aoka ny tsiaraikiaraiky avy amintsika hagnano zay maharavo ny mpiarabelogno aminy fao zany no tsara, mbô hanandratagna azy.3Fao na Kristy aby tsy nagnano zay nahafinaritry ny haigninazy. Fa naifa, zany dia araka ny afa voasaoratra hoe: "Ny faniratsiran-jareo zay maniratsira anao dia nihatra taminaha." 4Fa na ino na ino voasaoratra teo aloha dia voasaoratra ho fampianaragna atsika, mbô amin'ny alalan'ny faharaitagna ndraiky amin'ny alalan'ny fampaheraizagna ny Soratra Masigny no hanagnantsika toky.5Ary ny Zagnaharin'ny faharaitagna ndrakiy fampaheraizagna anie hagomia fisainagna mitôvy ho an'ny tsiaraikiaraiky aby araka an'i Kristy Jesôsy. 6Izy anie hitsabo zany mbô ho amin'ny fisainagna araiky sy amin'ny vava araiky fogna no hidairanareo Zagnahary ndraiky Baban'i Tompontsika Jesôsy Kristy. 7Amin-jany mifandraisa, mitôvy ny nadraisan'i Kristy areo fogna koa aby, ho fidairagna Zagnahary.8Fao ambarako areo fa Kristy dia afa mpanompon'ny voafora ho amin'ny fahamarinan-Jagnahary, mbô hahafahagna magnamarigny reo fampanantenagna zay namiagna reo baba, 9ary hon-jareo Jentilisa mbô hagnomiazam-bogninahitry Zaganhary nohon'ny famindram-pony. Zany dia araka ny feo voasaoratra hoe: "Noho zany dia hamiagna fidairagna Anao eo amin'ireo Jentilisa Zaho ary fidairagna ny agnaragnanao.10Mbôla voampanga fogna hoe: "Miravoravoa, miaraka amin'ny vahoakany, ry jentilisa." 11Ary koa hoe: "Deraio ny Tompo, ry jentilisa jiaby; ambilao ny ôlogno jiaby hidaira Azy."12Hozy ndraiky Isaia hoe: "Hisy fakan'ny Jese, ary lehy araiky zay hitsangagna hanapaka eo amin'ny Jentilisa. Hanagna fahatokiagna aminy reo Jentilisa13Ary Zagnahary ny fahatokiagna anie hagnamia areo amin'ny fifaliagna sy fiadanagna jiaby amin'ny finoagna, mbô ho feno fahatokiagna areo, avy amin'ny ngôvon'ny Fagnahy Masigny.14Ny haigninaha zao fogna koa dia resy lahatra ny momba areo, ry rahalahy. Resy lahatra zaho fao areo fogna koa dia feno fahatsaragna, feno ny fahalalagna jiaby. Resy lahatra zaho fao areo fogna koa dia afaka mifagnanatra.1516Fa manaoratra am-pahasahiagna zaho momba reo raha saasany mbô hampahatsiahivigny areo ndraiky, nohon'ny fagnomiazam-pahasoavagna zay namian-Jagnahary zaho. Zany fagnomiazam-pahasoavagna zany dia tôkony hanompoako an'i Kristy Jesôsy nalaifa tagny Jentilisa, mbô hanôlotro mitôvy ny sôrogno ny vaovao maharavoravon-Jagnahary. Tôkony zany mbô ho azo kehigny ny fagnatitry reo Jentilisa, voatokagnan'ny Fagnahy masigny.17Amin-jany ny haravoagna naha dia ao amin'i Kristy Jesôsy ndraiky reo rahan-Jagnahary. 18Fao tsy ho sahy hikoragna na ino na ino koa tsy reo raha haifan'i Kristy tamin'ny alalako ho an'ny fankatoavan'reo Jentilisa Zaho. Reo raha reo dia vita tamin'ny volagna ndraiky asa, 19tamin'ny ngôvon'reo famantaragna sy fahagagagna, ary tamin'ny ngôvon'ny Fagnahy Masigny. Zany dia mbô avy agny Jerosalema, sy lavidavitry mitôvy an'Ilyrikioma, no hahafahako magnatantairaka ny vaovaomaharavoravon'i Kristy.20Amin-jany, ny fagniriako dia ny hitory ny filazantsara, fao tsy agny amin'zay ahafantaragna an'i Kristy amin'ny agnaraganaha, mbô tsy hagnorainako eo amin'ny zay afa nagnorainagna ny hafa. 21Zany dia araka ny voasaoratra hoe: "Tamin'reo zay tsy nagnambaragna Azy no hahita Azy, ary reo zay tsy naharegny no hahazo."22Amin-jany fogna koa dia voasakagna mazagna tsy ho agny aminareo zaho. 23Fao amin'zao, tsy managna toeragna amin'reo faritry reo eky zaho, aveo tagno maro no afa nagniriako mafy ho agny aminareo.24Amin-jany na afiriagna na afiriagna andihianako agny Espana, dia magnataigna zaho ny hahita areo koafa mandalo, ary haterinareo agny amin'ny himboako, kofa avy mankafy ny fiarahanareo malaky zaho. 25Fa ami-jeo ho agny Jerosalema Zaho hanompo reo mpino.26Fa firavoagnan'i Makedonia sy Akaia ny hagnano fandraisagna anjara ho an'reo mijaly isan'reo mpino zay agny Jerosalema. 27Ya, Haravoagna hoan-jareo zany, ary mpitraosa aminy raha masigny zareo, dia tôkony hanompo azy reo fogna koa zareo amin'reo raha ara-pitaovagna.28Ami-jany, koafa nitsaboky zao asa zao ary nagnamafy fao hazon-jareo ny vokatra zay nangonigny, dia ho agny Espaina zaho aveo hitsidiky areo amin'ny lalagna naha. 29Haiko fao koafa mandaiha aminareo zaho dia hiditry amin'ny fahifinoan'i Kristy.30Avaizo mampirisiky areo zaho, ry rahalahy, amin'ny Jesôsy Kristy Tompontsika, ndraiky fitiavan'ny Fagnahy, mbô hiaraka hiady aminaha areo amin'ny vavaka atanareo amin-Jagnahary aminaha. 31Mivavaha mbô ho voahavotro amin'reo zay tsy mankatô agny Jodia zaho, ary mbô hikehin'reo zay tsy mankatô agny Jodia zaho, ary mbô ho kehin-jareo mpino ny fanompoako ho an'i Jerosalema. 32MIvavaha mbô hiaviako aminareo amin'ny haravoagna amin'ny sitrapôn-Jagnahary, ary mbô hahafahako, mahita fitsaharagna, miaraka aminareo.33Zagnahary ny fiadanagna anie hagnampy areo jiaby. Amena.
Chapter 16
1Ankigniky aminareo i Foibe rokivavintsika' zay mpanompon'ny fiangonagna agny Kenkrea,2 mbo handraisanareo azy akao amin'ny Tompo. Tsabo zany amin'ny fomba magnaiva areo mpino, ary magnatraiha amin'ny zay olagna mety hilany ny fagnampiagnanareo. Fao izy vôkany foagna koa dia nanjary mpagnampy ny maro, ary ny haigninaha foagna koa.3Magnanaova veloma an'i Prisla ndraiky Akoila, mpiara-miasa aminaha akao amin'i Kristy Jesôsy, 4zay nahafoy ny aignin-jareo ho an'ny aigninaha. Misaotra zareo zaho, ary tsy zaho foagna fao reo fiangonagna jiabin'ny Jentilisa foagna koa. 5Magnanaova veloma ny fiangonagna zay akao amin'ny tragnon-jareo. Magnanaova veloma agny amin'i Epaineto tiàko, zay voaloham-bokatr'i Asia ho nihin'i Kristy.7Magnanaova veloma an'i Maria, zay niasa mafy ho nihinareo.6 Magnanaova veloma an'i Androniko ndraiky Jonia, havako mariny, ary niara-nigadra taminaha. Malaza akeo agnivon-jareo apostoly zareo, zay tao amin'ny Kristy lalôhanaha foagna koa. 8Magnanaova veloma an'i Ampliato, tiàko akao amin'ny Tompo.9Magnanaova veloma an'i Orbano, mpiara-miasa amintsika akao amin'ny Kristy, ndraiky Staky, tiàko. 10Arabay Apela, lay ankasitrahigny akao amin'ny Kristy. Arabay reo zay akao amin'ny tokantragnon'i Aristobolo.11 Magnanaova veloma an'i Herodiona, havako. Mgnanaova veloma an'ny reo zay akao amin'ny tokantragnon'i Narkisa, zay akao amin'ny Tompo.12Magnanaova veloma an'i Tryfena ndraiky Tryfosa, zay miasa mafy akao amin'ny Tompo. Arabay Perysa tiàko, zay niasa mafy tao amin'ny Tompo. 13Manaova veloma an'i Rofosy, zay voafidy tao amin'ny Tompo, ndraiky ny nininy maha niniky. 14Magnanaova veloma an'i Asynkrito, Flegona, Hermesy, Patroba, Herma, aveo reo rahalahy zay miaraka tamin-jareo.15Magnanaova veloma an'i Filologia ndraiky Jolia, Nerea ndraiky ny rokivaviny, ndraiky Olimpa, aveo reo mpino jiaby miaraka amin-jareo. 16Mifagnanaova veloma amin'ny fifagnirôhagna masigny. Reo fiangonan'i Kristy jiaby dia magnano veloma areo.17aïzo mampirisiky areo zaho, ry rahalahiky, mbô handiniky ny mahakasiky reo zay mahatonga ny fizarazaragna ndraiky ny fanafintohinagna. Zareo dia mihoatra lavitry ny fampianaragna zay niraisinareo. Mialà lavitry zareo.18 Fao tsy manompon'i Kristy Tompontsika ny ologno hotry regny, fao ny bôkony manôkagna foagna. Amin'ny koragna milamigny ndraiky mandroboko no amitahan-jareo ny fôn'ny tsy manan-tsigny.19Fao ny ôhatrareo amin'ny fankatoavagna dia tafita agny amin'ny tsiraikiraiky. Noho zany, ravoravo zaho, ny aminareo, fao tiàko mbô ho hendry amin'ny zay tsara areo, aveo tsy hanan-tsigny amin'ny zay ratsy.20 Zagnaharin'ny fiadanagna hagnôtohôto an'i Masantôko akeo ambanin'ny hongotroareo afaka fotoagna fohy. Ho aminareo anie ny fahasoavan'i Tompontsika Jesôsy Kristy.21Timoty, mpiara-miasa aminaha, dia magnano veloma areo, ndraiky Losio, Jasona avekeo Sosipatro, havako. 22Zaho, Tertio, zay manoratra tô epistily tô, dia magnano veloma areo akao amin'ny Tompo.23Gaio, lay mpampiantragno zaho ndraiky ny fiangonagna jiaby, dia magnano veloma areo. Erasto, mpitagna vôla akao amin'ny tanagna, dia magnano veloma areo, miaraka amin'i Koarto lay rahalahy. 24[Fagnamarihagna: Ny fandikagna talôha taigna tsara dia magnala tô andininy tô. (Zahao ny Romana 16: 20). and 24: "Ho aminareo jiaby koany ny fahasoavan'ny Tompontsika Jesôsy Kristy. Amena." ]25Ary ny vogninahitry dia Nihinazy zay mahaifa mampitsangagna areo araka ny vaovao mahafalinaha ndraiky ny fitoriagna an'i Jesôsy Kristy, araka ny fagnambaragna ny raha mivôny zay nitanagna ho tsiambaratelo aila be tagny alôha tagny,26 kanaifa nambara avaïzo, ary tamin'ny alalan'ny bokin'ny fagnazariagna no nampahafantarigny tamin'ny firanena jiaby, araka ny didin-Jagnahary barokodontany, ho fankatoavagna ny finoagna.27Nihin'ny lay Zagnahary tôkagnan'ny fahendrena, anie ny vogninahitry barokodontany, amin'ny alalan'i Jesôsy Kristy. Amena.1 Corinthians
Chapter 1
1Paoly, nantsôvin'i Kristy mbô ho Apostoly nohon'ny sitrapôn-Jagnahary, ndraiky Sostena rahalahintsika, 2hoan'ny fiangonan-Jagnahary ao Korinto, hoan'ny reo zay nihamasinigny tao amin'i Kristy Jesôsy, zay voahantso ho ôlo masigny. Manaoratra aminareo jiaby zay magnantso ny agnaragna Jesôsy Kristy Tompontsika amin'ny toairagna jiaby faogna koa zahay, dia tompôn-jareo ndraiky atsika. 3Hoaminareo ny fahasoavagna ndraiky fiadanagna avy amin-Jagnahary Iadantsika ndraiky Jesôsy Kristy Tompo.4Zaho dia magnamia fisaoragna amin-Jagnahary hoanareo faogna nohon'ny fahasoavan-Jagnahary zay namian'i Jesôsy Kristy areo. 5Natany nanankariagna tamin'ny fomba jiaby areo, tamin'ny fivolagnagna jiaby ndraiky fahaizagna jiaby, 6raha voaprofo teo aminareo fao marigny ny fagnambaragna mahakasiky Kristy.7Noho zany areo dia tsy ory fagnomaizam-pahasoavagna eo am-pandignaisanareo ny fagnambaragna Jesôsy Kristy Tompontsika. 8Izy faogna koa dia hampahery areo zisiky amin'ny farany, mbô tsy hanagna tsigny areo amin'ny andron'i Jesôsy Kristy Tompontsika.9 Mahatoky Zagnahary, zay nagnantso areo hoamin'ny firaisagna amin'ny Zanany lalahy, Jesôsy Kristy Tompontsika.10Zeo dia mampirisiky areo zaho, rahalahy, amin'ny agnaran'i Jesôsy Kristy Tompontsika, mbô hifagnaraka areo jiaby, aveo tsy hoisy fisarahagna eo aminareo. Mandrisiky zaho mbô hikambagna amin'ny saigny mitôvy ndraiky tanjogno mitôvy areo.11 Fao afa natao mazava taminaha, rahalahy, tamin'ny alalan'ny vahoakan'i Kloe fao misy fifampiandaniagna eo aminareo.12Ny tiako ambara dia zao: Ny tsiaraikiaraiky aminareo samy magnano hoe: "Zaho miaraka amin'i Paoly," na ''Zaho miaraka amin'i Apolosy," na "Zaho miaraka amin'i Kristy." 13Voazarazara moa Kristy? Paoly moa no nifantsihagna hoanareo? Tamin'ny agnaragna Paoly moa no nagnanaovagna batisa areo?14Misaotra Zagnahary zaho fao tsisy nataoko batisa areo, koa tsy Krispo ndraiky Gaio. 15Zany dia mbô tsy hahafahan-jôvy na zôvy mivaolagna hoe tamin'ny agnarako no nitsaboagna batisa areo. 16(Zaho faogna koa dia nitsabo batisa ny tamingan'i Stefanasy. Ny hafan'ny zay tsy haiky raha nitsabo batisa ôlogno hafa zaho.)17Fao Kristy dia tsy nagniraka zaho mbô hampagnano batisa fao hitory ny vava maharavo. Izy tsy nadaifa zaho hitory amin'ny koragna fahindrian'ôlombelogno, mbô tsy ho foagna ny ngôvon'ny kakazon'ny fijalian'i Kristy.18Fao ny hafatra mahakasiky ny kakazo fijaliagna dia halifahagna amin'ny reo zay ho foaty. Fao eo amin'ny reo zay ho vonjen-Jagnahary ndraiky, dia ngôvon-Jagnahary zany. 19Fao voasaoratra magnanjao: "Ho potehigny ny fahindrian'ny hendry. Ho foagnako ny fahaizan'ny mahay.''20Aiza ny ôlon-kendry? Aiza ny manam-pahaizagna? Aiza ny mpiady hevitry ny zao tontolo zao? Moa tsy navadiky Zagnahary ho halifahagna moa ny fahindrian'ny zao tontolo zao? 21Satria tsy nahay Zagnahary zao tontolo zao tao amin'ny fahindriagna, dia sitraka Zagnahary ny hagnavotro reo zay mino amin'ny alalan'ny halifahagna ny fitoriagna.22Fao reo Jiosy dia mangataka famantaragna mahagaga aveo reo Grika mandiniky fahindriagna.23 Fao zahay mitory Kristy nifantsaihagna, zay vato fanatafintohinagna amin'ny reo Jiosy avakeo halifahagna amin'ny reo Grika.24Fao amin'ny reo zay nantsôvin-Jagnahary, reo Jiosy ndraiky reo Grika, dia mitory Kristy mitôvy ny ngôvo ndraiky fahindrian-Jagnahary zahay.25 Fao ny halifahan-Jagnahary dia hendry noho ny ôlogno, avakeo ny fahalimian-Jagnahary dia matanjaka noho ny ôlogno.26Diniho ny fagnantsaovagna areo, rahalahy. Tsy maro taminareo no misy fagnahy raha ny amin'ny maha ôlombelogno. Tsy maro taminareo no nafy. Tsy maro taminareo no agnambo firazanagna. 27Fao Zagnahary dia nisafidy reo raha halifahany zao tontolo zao mbô hampamaingatra ny misy fagnahy. Zagnahary dia nisafidy zay malemy eo amin'ny zao tontolo zao mbô hampamaingatra zay matanjaka.28Zagnahary dia nisafidy zay ambany ndraiky hamavoagna eketo amin'ny zao tontolo zao. Na Izy aby dia nifidy reo raha zay niheverigny ho tsinotsinona, mbô hahatonga tsinotsinona reo raha zay atao ho manan-danja. 29Nitsabony zany mbô tsy hoisy hanagna antony hiraiharaihagna eo agnatraihany.30Nohon'ny nitsaboan-Jagnahary, zeo areo dia ao amin'i Kristy Jesôsy, zay nanjary fahindriagna hoantsika avy amin-Jagnahary. Izy dia nanjary fahamarinantsika, fahamarinantsika aveo fahafahantsika. 31Vokatry zany, araka zay ambaran'ny Saoratra Masigny magnanjao: "Aoka zay miraiharaiha, hiraiharaiha ao amin'ny Tompo."Chapter 2
1Kofa nandaiha aminareo zaho, rahalahy, dia tsy tonga niaraka taminy lahateny na fahendriagna raha nagnambara ny raha misitriky mahakasiky Zagnahary. [Fagnamarihagna: Ny dika-teny maro hafa dia mivaky magnanjao: "Raha nagnambara ny fitsanganagna antomoa mahakasiky Zagnahary Zaho.''] 2Fao nanapa-kevitry tsy hahay na ino na ino zaho koafa teo aminareo, afa tsy Jesôsy Kristy, ndraiky Izy voahombo.3Aveo niaraka taminareo zaho teo amin'ny fahalimiagna, ndraiky tamin'ny hamboriagna, ary tamin'ny fangovitagna mafy.4 Avakeo ny hafatra ndraiky fagnambarako dia tsy tamin'ny vaolagna fandrisian-dahatry ny fahindriagna. Fao naifa, reo dia tamin'ny fanehoan'ny Fagnahy ndraiky ngôvo,5 mbô tsy ho ao amin'ny fahindriagnan'ny ôlombelogno ny finoagnanareo, fao ao amin'ny ngôvon-Jagnahary.6Zeo, dia mikoragna fahindriagna eo amin'ny reo matotro atsika, fao tsy ny fahindriagnan'ny izao tontolo izao, na ny an'reo mpanapak'izao vagninandro izao, zay mandalo faogna.7 Fao naifa, mivaolagna ny fahindriagnan-Jagnahary amin'ny fahamarignagna mivôny atsika, lehy fahindriagna mivôny zay nitindren-Jagnahary mialaoha talohan'ny reo vagnin'andro jiaby ho vogninahitsika.8Tsisy tamin'ny reo mpanapak'izao andro zao no nahay io fahindriagna io, fao raha nahatakatra zany zareo tamin'ny zany fotoagna zany, dia tsy ho nihombon-jareo lehy tômpon'ny vogninahitry.9 Fao araka zay voasaoratra magnanjao: "Ireo raha zay tsisy maso nahita, tsisy sôfigny naharegny, tsisy eritreritry nahazo an-tsaigny, reo raha zay namian-Jagnahary ho an'reo tia Azy."10Ireo no raha naboakan-Jagnahary taminay tamin'ny Fagnahy. Fao ny Fagnahy dia mitady ny raha jiaby, na dia reo raha lalin-Jagnahary aby. 11Fa zôvy no mahay ny fisaignan'ôlogno araiky afa-tsy ny fagnahin'ôlogno ao aminazy? Araka zany koa, tsisy mahay reo raha lalin-Jagnahary koa tsy ny Fagnahin-Jagnahary.12Fao tsy nalaka ny fagnahin'izao tontolo izao atsika, fao ny Fagahy zay avy amin-Jagnahary, mbô hahaizantsika mahay reo raha amiagna atsika maimaim-poagna avy amin-Jagnahary. 13Mivaolagna mahakasiky reo raha reo amin'ny vaolagna zay tsy hain'ny fahindriagnan'ôlombelogno ampianarigny zahay, fao zay ampianarin'ny Fagnahy zahay. Ny Fagnahy no mandiky ny vaolagna ara-pagnahy miaraka amin'ny fahindriagna ara-pagnahy.14Ny ôlogno zay tsy ara-pagnahy dia tsy malaka reo raha zay nihin'ny Fagnahin-Jagnahary, satria halifahagna aminazy regny. Tsy afaka mahay regny izy satria famantaragna ara-pagnahy regny. 15Izay ara-pagnahy dia mitsara raha jiaby, fao tsy iharan'ny fitsaragnan'ny hafa izy. 16"Fao zôvy no afaka mahay ny fisaignan'ny Tompo, no ho afaka hampianatra Azy?" Fao zahay dia managna ny fisaignan'i Kristy.
Chapter 3
1Ary zaho, rahalahy, dia tsy afaka nivaolagna taminareo hotra ny ôlogno zay ara-pagnahy, fao kanaifa hotra ny ôlogno ara-nôfo, hotra ny zazamadiniky ao amin'i Kristy. 2Nifahanako ronono areo, fao tsy ventinkanigny, satria tsy vôgnogno tamin'ny zany areo; aveo na aminjeo aby dia mbôla tsy vôgnogno amin'ny zany areo.3Satria areo mbôla araka ny nôfo. Fao na aiza misy fahasarotampiaro ndraiky fifandiragna eo aminareo, dia tsy miaigny araka ny nôfo moa areo, ary tsy mandaiha amin'ny fenitry ny ôlombelogno? 4Fao koafa misy araiky mivaolagna magnanjao: "Zaho magnaraka Paoly," avakeo ny araiky mivaolagna magnanjao: "Zaho magnaraka Apolosy," dia tsy miaigny hotra ny ôlombelogno faogna moa areo? 5Zôvy ary Apolosy? Zôvy Paoly? Mpanompo zay tamin'ny alalany no ninoanareo, zay namian'ny Tompo asa aby.6Zaho no namboly, Apolosy no nanondraka, fao Zagnahary no nampitômbo.7 Kay noho zany, na izy zay mamboly na izy zay manondraka dia tsisy dikany. Fao Zagnahary no mampitômbo.8Aveo izy zay mamboly ndraiky izy zay manondraka dia araiky, aveo ny tsiaraikiaraiky dia samy hahazo ny karamany aby araka ny asany. 9Fao zahay dia mpiara-miasa amin-Jagnahary. Areo dia sahan-Jagnahary, ndraiky tragnon-Jagnahary10Araka ny fahasoavan-Jagnahary zay namiagna zaho hotra ny mpagnano tragno mahay, dia namaitraka ny fôtotro zaho aveo hafa no magnorigny eo amboniny. Fao aoka ny lalahy tsiaraikiaraiky hitandrigny ny amin'ny fomba hagnorignagna eo amin'ny zany. 11Fao tsisy ôlogno mamaitraka fôtotro afa-tsy lehy araiky zay napaitraka, zany hoe: Jesôsy Kristy.12Zeo raha misy ôlogno magnorigny eo ambonin'ny fôtotro amin'ny volamaina, volafôtsy, vato lafo vanga, kakazo, bozaka, na molôlo, 13dia haboaka ny asany, fao ny andro mazava no hagnaboaka zany. Satria naboaka amin'ny môtro zany. Ny môtro no hitsapagna ny hatsaragnan'ny nataon'ny tsiaraikiaraiky.14Raha mitoaitra ny asan'ny lehy ôlogno, dia hahazo valisoa izy; 15fao raha may ny asan'ny lehy ôlogno, dia ho fatiantoko izy, fao izy haigniny dia hoavaotagna, hotra ny nitsoaka tamin'ny môtro faogna.16Tsy hainareo moa fao areo dia tempolin-Jagnahary aveo ny Fagnahin-jagnahary no mibidôko ao aminareo? 17Raha misy ôlogno mandratra ny tempolin-Jagnahary, dia handratra zany ôlogno zany Zagnahary. Fao masigny ny tempolin-Jagnahary, aveo hotra zany koa areo.18Aza ambaila hisy hamita-taigna. Raha misy ôlogno eo aminareo mihevitry fao misy fagnahy izy amin'zao vanim-potoagna zao, ambilao izy ho hanjary "laifaka " amin'zay mbô mety hanjary misy fagnahy izy. 19Fao ny fahindriagnan'ny zao tontolo zao dia halifahagna eo amin-Jagnahary. Satria voasaorata magnanjao: Nahatakatra ny misy fagnahy tao amin'ny hafitsiagnan-jareo Izy." 20Avakeo magnanjao: "Ny Tompo dia mahay fao ny fihevitry ny misy fagnahy dia zava-poagna."21Noho zany tsisy firaiharaihagna momban'ny ôlogno eky! Fao ny raha jiaby dia areo, 22na Paoly, na Apolosy, na Kefasy, na izao tonlo izao, na fiainagna, na fahafataisagna, na raha amizeo, na raha vo avy. Ny raha jiaby dia nihinareo avakeo, 23areo dia nihin'i Kristy, aveo Kristy dia nihin-Jagnahary.
Chapter 4
1Karaha zao no tôkony handraisan'ôlogno atsika, hotra ny mpanompon'i Kristy avakeo mpitandrigny reo misiterin-Jagnahary. 2Amin'ny zany fifandraisagna zany, dia fepetra takigny amin'ny reo mpitandrigny ny maha-mendri-pitokiagna zareo.3Fao aminaha dia raha hely tegna hely ny tôkony hitsaragna areo na hitsaran'ôlombelogno jiaby zaho. Fao na zaho aby tsy mitsara haigninaha. 4Zaho dia tsy mahay zay fiampangagna natao taminaha, fao zany dia tsy midika fao tsy manantsigny zaho. Ny Tompo no mitsara zaho.5Noho zany, aza manognogno fitsaragna momban'ny raha jiaby alaohan'ny fotoagna, mialohan'ny havian'ny Tompo. Izy dia nitondra reo raha mivôny hizigny ho amin'ny fahazavagna avakeo hampiboaka ny fikasan'ny fô. Aveo ny tsiaraikiaraiky aby dia halaka ny fiderany avy amin-Jagnahary.6Zeo, rahalahy, nampihatra reo fitsipiky reo taminaha ndraiky tamin'ny Apolosy zaho nohon'ny aminareo, mbô hafahanareo mianatra avy aminay ny dikan'ny fivolagnagna magnanjao: "Aza mandaiha mihoatra zay voasoratra." Zany dia mbô tsy hoisy araiky aminareo hiraiharaiha ny amin'ny fankasitrahagna ny araiky noho ny hafa. 7Fao zôvy na mahita fahasamihafagna eo aminareo ndraiky reo hafa? Inona no anagnanareo kay tsy niraisinareo maimaimpoagna? Raha nalaka zany maimaimpoagna areo, nagnino areo no miraiharaiha hotra ny tsy nagnano hotra zany?8Afa nanagnanareo jiaby izay jiaby tadiavinareo! Afa nanjary mpanankariagna areo! Avakeo afa nanomboko nanjaka areo—aveo zany dia tsy avy taminay! Zaho dia tegna magniry ny nanjakanareo, mbô hafahanay manjaka miaraka aminareo. 9Fao zaho dia mieritreritry fao Zagnahary dia namaitraka antsika ho apostoly mibaribary hotra ny farany amin'ny laharagna ndraiky hotra ny ôlogno voaheloko ho faty. Zahay dia lasa fampisehoagna ho nihin'ny izao tontolo izao—ho nihin'ny reo anjely, aveo ny ho nihin'ôlombelogno.10Zahay dia laifaka nohon'ny amin'i Kristy fao areo dia misy fagnahy akao amin'ny Kristy. Malemy zahay, fao areo mahiagna. Areo dia namiambogninahitry, fao zahay ndraiky tsy nalaim-baraka. 11Zisiky zeo zahay dia tihinagna ndraiky mangetahet, mijaly fisikinagna, voapoko mafy, avakeo tsy manan-kialofagna.12Miasa mafy zahay, miasa amin'ny alalan'ny tagnagnay faogna. Koafa latsaigny zahay, dia miaritry. Koafa henjehigny zahay, dia mitsodrano. 13Koafa vohendrikendriky zahay, dia mivaolagna amin-katsaram-pagnahy. Zahay dia niaova, aveo mbôla raisigny ho, fakon'ny zao tontolo izao ndraiky raha jiaby.14Zaho dia tsy nanaoratra reo raha reo mbô hahamaingatra areo, fao magnitsy areo hotra ny zanaka tiako.15 Fao na dia managna mpiambigny ray aligny ao amin'ny Kristy aby areo, dia tsy managna iada fôntry. Fao zaho dia nanjary iadanareo ao amin'ny Kristy Jesôsy tamin'ny alalan'ny vava maharavo.16 Noho zany dia mampirisiky areo zaho mbô ho mpangalatahaka zaho.17Zany no nandifasako areo ho amin'ny Timoty, zanaka tiako salakady mahatoky ao amin'ny Tompo. Izy dia hampahatsiaro areo reo làlagna naha ao amin'i Kristy, hotra ny ampianariko zareo na aiza ndraiky ao amin'ny fiangonagna jiaby.18Zeo dia nanjary miavogno ny sasany aminareo, magnano hotra ny hoe tsy ho avy agny aminareo zaho.19Fao ho avy tsy ho aila agny aminareo zaho, raha sitraky ny Tompo. Aveo tsy hahay ny koragnan-jareo zay taigna miavogno faogna zaho, fao hahita any ngôvon-jareo. 20Satria ny fanjakan-Jagnahary dia tsy mihorigny amin'ny koragna fao amin'ny angôvo. 21Ino no tadiavinareo? Tôkony ho avy aminareo miaraka amin'ny tsaorakakazo moa sa miaraka amin'ny fitiavagna feno halimiam-pagnahy zaho?
Chapter 5
1Zahay dia naharegny hafatra fao misy fijangajangagna eo aminareo, karazagna fitondran-taigna tsy magnaiva zay tsy azo atao aby eo amin'ny reo Jentilisa. Ny hafatra, dia hoe misy araiky aminareo miaraka mandry amin'ny vadiny iadany.2 Areo dia taigna miavogno! Fao tsy tôkony alahelo moa areo? Ny araiky zay nagnano zany dia tsy maintsy alàgna eto aminareo.3Fao na dia tsy akeo ara-batagna zaho fao mbôla akeo ara-pagnahy, dia afa nitsara lehy araiky zay nagnano zany, hotra ny hoe teo zaho. 4Koafa miara-mivôry amin'ny agnaran'i Jesôsy Tompontsika areo, avakeo ny fagnahinaha dia eo koa amin'ny ngôvon'ny Jesôsy Tompontsika, dia afa nitsara io ôlogno zaho.5 Natako zany mbô hanoloragna zany lalahy zany ho nihin'ny satana ho famotaihagna ny nôfo, mbô ho voavonjy ny fagnahinazy amin'ny andron'ny Tompo.6Tsy tsara ny poairapoairanare! Tsy hainareo moa fa ny lalivay hely dia magnaova môfo jiaby? 7Diovy haigninareo amin'ny lalivay talaoha mbô ho tonga môfo vava areo, kay mbô hanjary môfo tsisy lalivay. Fao Kristy, lehy Zanak'ondrintsika tami'ny Paska, dia natao sôrogno.8 Noho zany dia aoka atsika hankalaza firavoravoagna, tsy amin'ny lalivay talaoha, lehy lalivain'ny fitondran-taigna ratsy ndraiky faharatsiagna. Fao ndraiky, aoka atsika hankalaza amin'ny môfo tsisy lalivain'ny fahadiovam-pô ndraiky fahamarinagna.9Zaho dia nanaoratra aminareo tao amin'ny taratasy naha mbô tsy hiarahanareo miasa amin'ny reo ôlogno mpijangajanga.10 Kanaifa ny tiako volagnigny dia tsy ny ôlogno mpijangajanga jiaby eto magnairan-tany, na reo tsy mahonon-taigna, na reo mpangalatra, na reo mpanompo sampy, satria mbô hialagna amin-jareo dia mila miala amin'izao tontolo zao areo.11Naifa zeo zaho manaoratra aminareo mbô tsy hiaraka hiasa miaraka amin'ny zôvy na zôvy zay antsôvigny hoe rahalahy naifa miaigny ao anatin'ny fijangajangagna, na izay tsy mahonon-taigna, na manompo sampy, na mpivalaogna ratsy, na mpimamo, na mpangalatra. Aza mihinagna hanigny miaraka amin'ôlogno hotra zany.12 Fao ino no idirako amin'ny fitsaragna reo zay akagny ambailany fiangonagna? Mifanohitry amin'ny zany, areo moa tsy tôkony hitsara reo zay ao agnatin'ny fiangonagna?13 Fao Zagnahary dia mitsara reo zay agny ambailany. "Alao akeo amimasonareo ny ôlon-dratsy."Chapter 6
1Kofa misy araiky aminareo managna ady amin'ny araiky hafa, mahasaky handaiha akagny amin'ny fitsaragna eo agnatraihan'ny mpitsara tsy mpino moa izy, fao tsy akeo agnatraihan'ny mpino?2 Moa tsy hainareo moa fao reo mpino no hitsara izao tontolo zao? Raha zany, areo no hitsara izao tontolo zao, moa tsy mahavita mandamigny raharaha madiniky moa areo? 3Moa tsy hainareo moa fa hitsara reo anjely atsika? Hotra ny ino, noho zany, ny fihoaran'ny fahafahantsika mitsara reo raharaha amin'ny tô fiainagna tô?4Raha aohatra kay afaka mitsara raha zay miboaka amin'ny andavan'androm-piainagna anao, nagnino anao no mamaitraka karazagna tranga hotra zany akeo agnatraihan'ny reo zay tsinotsinona akao amin'ny fiangonagna?5 Hahamaingatra areo no hivolagnako zany. Moa tsy mbô misy ampy fahindriagna na dia araiky aby eo aminareo handamigny ny adiady eo amin'ny mpirahalahy?6 Fao naifa, misy mino araiky mandaiha mifagnatriky amin'ny mpino hafa eo amin'ny fitsaragna, avakeo zany raharaha zany dia hapaitraka akeo agnatraihan'ny mpitsara zay tsy mino!7Ny fisian'ny ady akeo aminareo Kristiana jiaby dia afa faharesiagna aminareo faogna. Fao tsy aleo moa mijaly amin'ny fahadisoagna? Fao tsy aleo moa ambaila ho voafitaka ny haigninareo? 8Fao areo dia nandiso ndraiky navandy reo hafa, avakeo dia rahalahinareo faogna zareo!9Moa tsy hainareo fao ny tsy marigny dia tsy handaova ny fanjakan-Jagnahary? Aza mino vandy. Ireo vaitavaita, reo mpanompo sampy, reo mpijangajanga, reo lalahy mpivaro-taigna, reo zay miaraka mandry amin'ny samy lalahy, 10reo mpangalatra, reo tsy mahay onogno, reo mpimamo, reo mpagnaratsy, reo mpagnano an-keriny—tsisy araiky aminjareo handaova ny fanjakan-Jagnahary. 11Hotra zany ny sasany aminareo. Fao afa voadio areo, nihamasinigny areo, aveo voamarigny teo amin-Jagnahary areo tamin'ny agnaran'i Tompo Jesôsy Kristy ndraiky tamin'ny Fagnahin-Jagnaharintsika.12"Ny raha jiaby dia ara-dalagna aminaha," fao tsy ny raha jiaby no mahatsara. "Ny raha jiaby ara-dalagna aminaha," fao tsy ho andevozin'ny araiky amin'ny reo zaho. 13"Ny hanigny dia nihin'ny kibo, aveo ny kibo natao ho nihin'ny hanigny," fao Zagnahary dia hagnafoagna zareo roa reo. Ny vatagna dia tsy natao ho nihin'ny fijangajangagna. Fao ndraiky, ny vatagna dia natao ho nihin'ny Tompo, ary ny Tompo dia hagnamia nihin'ny vatagna.14Zagnahary dia afa nanangagna ny Tompo salakady hanangagna atsika amin'ny ngôvony koa. 15Moa tsy hainareo moa fao ny haigninareo dia ratsam-batagnan'i Kristy kay ho ndesiky moa zany reo ratsam-batagnan'i Kristy aveo hampikambagna zareo amin'ny mpivaro-taigna? Tsy hisy anie zany!16Moa Tsy hainareo moa fao zay mikambagna amin'ny mpivaro-taigna dia manjary nôfo araiky aminazy? Hotra ny nambaran'ny Saoratra Masigny magnanjao: "Ho nôfo araiky faogna zareo roa." 17Fao izy zay mikambagna amin'ny Tompo dia manjary araiky aminazy.18Ialao ny fijangajangagna! Ny fahotagna jiaby hafa zay tsabon'ny ôlogno dia ambailan'ny haigny, fao ny ôlogno mijangajanga dia manota amin'ny haigniny faogna.19Moa tsy hainareo fao ny haigninareo dia tempolin'ny Fagnahy Masigny, zay mibidôko akao agnatinareo, zay azonareo avy amin-Jagnahary? Moa tsy hainareo moa fa tsy nihinareo ny haigninareo? 20Fao ôlom-boavidy areo. Noho zany dia mankalazao Zagnahary amin'ny haigninareo. [Fagnamarihagna: Reo dika-teny talaoha sasany dia mivaky magnanjao: "Noho zany mankalazao Zagnahary amin'ny haigninareo ndraiky amin'ny fagnahinareo, zay nihin-Jagnahary." Fao ny dika-teny taigna tsara dia tsy mivaky karaha io.]Chapter 7
1Ary mahakasiky reo olagna zay nisoroatanareo mbomban'ny zao: "Tsara amin'ny lalahy ny tsy mikasiky vaiavy." 2Naifa noho ireo fakam-pagnahy amin'ny fahavaitavaitagna maro isankarazany, dia tôkony hanagna ny vadiny manaokagna aby ny lalahy tsiaraikiaraiky, aveo ny vaiavy tsiaraikiaraiky dia tôkony hanagna vadiny manaokagna aby.3Ny lalahy dia tôkony hagnamia reo zo ara-panambadiagna ho nihin'ny vadiny, aveo hotra zany koa ny vaiavy ho nihin'ny vadiny. 4Tsy ny vaiavy no managna fahefagna amin'ny haignigny manaokagna, fao ny vadiny. Hotra zany koa, tsy ny lalahy no managna fahefagna amin'ny haigniny manaokagna, fao ny vadiny no managna.5Aza mifanakatsakagna areo tsiaraikiaraiky, afa-tsy amin'ny fifagnarahagna nifanaovagna aveo amin'ny fotoagna voataokagna. Atôvy zany mbô hafahanareo manaokan-taigna amin'ny vavaka. Aveo dia tôkony hiaraka mandry ndraiky areo, mbô tsy hafahan'ny satana mangala fagnahy areo nohon'ny tsy fanagnanareo fifihaizan-taigna.6 Kanaifa zaho dia mivaolagna reo raha reo aminareo am-pahalalagna fao tsy didy aby. 7Iriky ny ôlogno jiaby ho hotra zaho. Fao ny tsiaraikiaraiky dia samy managna ny fagnomaizam-pahasoavany manaokagna avy amin-Jagnahary. Ny araiky managna tô karazam-pagnomaizam-pahasoavagna tô, aveo ny araiky hafa managna karazany hafa koa.8Hoan'ny reo zay tsy manambady ndraiky reo mpitondra taigna dia mivaolagna zaho fao tsara aminjareo raha mijanogno tsy manambady zareo, hotra zaho. 9Kanaifa zareo raha tsy afaka mamehy haigny, dia tôkony hanambady. Satria tegna tsara aminjareo ny manambady hotra zay ampirihaitan'ny filagna ara-nôfo.10Avakeo hoa'ny reo zay manambady dia magnamia zao didy zao zaho—tsy zaho, fao ny Tompo—ny vaiavy dia tsy tôkony hisaraka amin'ny vadiny, 11(Fao raha aohatra izy kay misaraka amin'ny vadiny, dia tôkony hijanogno tsy hanambady na koa mimpôdy mihavagna amin'ny vadiny) —aveo ny lalahy dia tsy tôkony hisaraka amin'ny vadiny.12Fao amin'ny sasany dia mivaolagna—zaho, fao tsy ny Tompo—hoe raha misy rahalahy araiky managna vady tsy mpino, avakeo raha maharavo azy ny miara-miaigny aminazy, dia tsy tôkony hisaraka amin'ny vadiny izy. 13Raha ny vaiavy araiky no managna vady tsy mpino, aveo raha maharavo azy ny miara-miaigny aminazy, dia tsy tôkony hisaraka amin'ny vadiny izy. 14Satria ny lalahy tsy mpino dia nataokagna noho ny amin'ny vadiny, avakeo vaiavy tsy mpino dia nataokagna nohon'ny amin'ny rahalahy. Fao raha tsy zany dia ho maloto ny zanaka zareo, naifa raha ny marigny dia afa voataokagna zareo.15Fao raha ny vady tsy Kristiana no miala, ambailao izy andaiha. Amin'ny karazan-draha hotra zany, ny rahalahiny na rahavavy dia tsy voafehin-jareo voadin-jareo. Zagnahary dia nagnantso atsika mbô hiaigny am-piadanagna. 16Fao amin'ny fomba manankôry no ahaizanao, vaiavy, raha ho voavonjinao ny vadinao, lalahy, raha voavonjinao ny vadinao? Na amin'ny fomba manankôry no ahaizanao, lalahy, raha voavonjinao ny vadinao?17Fao ambilao faogna ny tsiaraikiaraiky aby hiaigny ny fiainagna zay afa nanindrian'ny Tompo azy, aveo araka ny afa nagnantsaovan-Jagnahary azy. Io no fitsipiky ao amin'ny fiangonagna jiaby. 18Afa voafora moa ny ôlogno araiky koafa nantsôvigny mbô hino? Izy dia tsy tôkony hiaizaka ny hiboaboaka hotra ny tsy voafora. Tsy voafora moa araiky koafa nantsôvigny ho amin'ny finoagna? Tsy tôkony ho foraigny izy. 19Satria tsy ny famoragna na ny tsy famoragna no ilaigny. Ny ilaigny dia ny fagnikaihagna reo didin-Jagnahary.20Ny tsiaraikiaraiky aby dia tôkony hijanogno amin'ny fagnantsaovagna zay nisy azy koafa nantsôvin-Jagnahary mbô hagneky izy. 21Andevo moa anao taminy Zagnahary nagnantso anao? Aza misalasala ny amin'ny zany. Fao raha mety ho afaka anao, dia ararôty zany. 22Satria ny ôlogno araiky zay nantsôvin'ny Tompo ho andevo dia ôlogno afaky ny Tompo. Mitôvy zany koa ny ôlogno zay afaka tamin'ny izy nantsôvigny mbô hino dia andevon'i Kristy.23 Areo dia voavidy, noho zany dia aza tonga hotra reo andevon'ôlogno.24Ô rahalahy, na ino na ino fiainagna nisy atsika tsiaraikiaraiky tamin'ny atsika nantsôvigny mbô hino, dia aoka atsika hijanogno hotra zany.25Ary momba zareo zay tsary nanambady, zaho dia tsy managna didy avy agny amin'ny Tompo. Kanaifa zaho dia magnamia ny hevitry naha hotra ny araiky zay, amin'ny alalan'ny famindram-pôn'ny Tompo, dia mendri-patokisagna. 26Noho zany, mieritreritry zaho fao nohon'ny loza zay hoavy, dia tsara ho amin'ny lalahy ny mijanogno amin'ny maha izy azy.27Voafehy amin'ny vaiavy moa areo? Aza mitady ny hoafaka aminazy. Afaka amin'ny vadinao moa anao? Aza mitady vady. Naifa raha manambady areo, dia tsy nanota. 28Raha ny vaiavy tsy manambady no manambady, dia tsy nanota izy. Naifa reo zay manambady dia hanagna karazan'ôlagna maro raha mbôla velogno, aveo zaho dia tihangala areo amin'ny zany.29Fao zao no volagniky, rahalahy: Fohy ny fotoagna. Manomboko zao, aleo reo zay afa manam-bady hiaigny hotra ny tsy managna. 30Reo zay mitomoagny dia tôkony hagnano hotra ny tsy mitomoagny, reo zay ravoravo hotra ny tsy ravoravo, avakeo reo zay mividy hotra ny tsy managna na ino na ino; 31aveo reo zay mampiasa zao tontolo zao dia tsy tôkony hagnano hotra ny mampiasa zany tantairaka. Satria izao tontolo zao amin'ny bikany amizeo dia ho tonga amin'ny fiafaragna.32Tiako areo hoafaka amin'ny reo fisalasalagna. Ny lalahy tsy manambady dia misalasala ny amin'ny reo raha ny Tompo, ny amin'ny fomba hampiravoagna Azy. 33Fao ny lalahy manambady dia misalasala ny amin'ny rahan'ny zao tontolo zao, ny amin'ny fomba hampiravoravoagna ny vadiny— 34mizarazara izy. Ny vaiavy tsy manambady na virijiny dia misalasala ny amin'ny raha ny Tompo, ny amin'ny fomba hanokanagna amin'ny haigny ndraiky ny fagnahy. Fao ny vaiavy manambady dia misalasala ny amin'ny rahan'ny zao tontolo zao, ny amin'ny fomba hampifaliagna ny vadiny.35Volagniky zany ho tombotsoanareo manaokagna, fao tsy hamaitraka zay jiaby sakantsakagna eo aminareo. Mivaolagna zany zaho noho zay marigny, amin'ny zay areo mbô hanolo-taigna ho amin'ny Tompo tsisy fagningilaignagna.36Naifa raha misy ôlogno araiky mihevitry fao tsy mitondra ny fofom-bady am-pagnajagna—raha mihoatra ny tagnan'ny fanambadiagna lehy vaiavy avakeo tsy maitsy hotra zany—dia tôkony hagnano zay tiany izy. Tsy manota izy. Tôkony hivady zareo. 37Naifa raha nikasa tsara tao am-pôny izy, raha aohatra ka tsy ambany faniritiriagna fao afaka mifehy ny sitrapôny manaokagna, aveo raha nanapakevitry tam-pôny izy ny hagnano zany, mbô hitanagna ny fofombadiny ho virijiny, dia tsara ny atany. 38Koa zay manambady ny fofombadiny dia magnano tsara, aveo zay misafidy ny tsy hanambady dia hagnano ny tsaratsara koa.39Ny vaiavy dia voafehin'ny vadiny raha mbôla velogno ralehilahy. Fao raha maty ny vadiny, dia malalaka tsara izy ny hanambady zay tiany ho vadigny, naifa ao amin'ny Tompo faogna.40 Naifa amin'ny fitsarako dia tôkony ho taigna ravo izy raha miaigny amizeo faogna. Ary heveriky fao zaho faogna koa dia managna ny Fagnahin-Jagnahary.
Chapter 8
1Ary momba ny hanigny atao sôrogno amin'ny sampy—haintsika fao: "Atsika jiaby dia manam-pahaizagna." Ny fahaizagna mampiraiharaiha, fao ny fitiavagna manangagna. 2Raha misy ôlogno araiky mihevitry haigniny fao mahay raha, dia mbôla tsy mahay araka zay tôkony hahaizany aby zany ôlogno zany. 3Fao raha misy ôlogno araiky tia Zagnahary, dia hainy zany ôlogno zany.4Koa raha ny momba ny fihinanagna hanigny natao sôrogno amin'ny sampy—dia haintsika fao "ny sampy eto amin'ny zao tontolo zao dia tsisy dikany" avakeo "fao tsisy Zagnahary afa-tsy araiky faogna." 5Fao mety misy reo môdy antsôvigny hoe zagnahary, na agny andangitry na aketo antany, hotra ny hafontrizany reo "zagnahary" ndraiky ny hafontrizany "tompo." 6Fao amintsika, "Araiky faogna no Zagnahary dia lehy Iada, zay avy aminy raha jiaby, avakeo Izy no antony hivilaomantsika, aveo araiky no Tompo Jesôsy Kristy, Zay tamin'ny alalany no nisian'ny raha jiaby, ary tamin'ny alalany no nisiantsika."7Na zany ndraiky, zany fahaizagna zany dia mbôla tsy ao amin'ny tsiaraikiaraiky. Fao naifa, ny sasany taloha dia nampihatra ny fanompoan-tsampy, dia nihinagna zany hanigny zany hotra ny hoe raha natao sôrogno ho nihin'ny sampy zany. Noho zany dia naratra ny fieritreretan-jareo satria malemy zany.8Fao tsy hanigny no hanôlotro atsika akeo amin-Jagnahary. Fao tsy taigna ratsy atsika raha tsy mihinagna, na koa hoe taigna tsara raha mihinagna zany. 9Tandremo mbô tsy ny fahaizagnareo no antony hahatonga reo ôlogno osa ara-pinoagna ho tafintohigny.10 Fao atôvy hoe misy mahita anao, zay manampahaizagna, mihinagna hanigny ao amin'ny tempolin'ny sampy. Tsy ny fahalimiagnan'ny fieritreraitagna moa no nahasaikiany hihinagna zay natôlotro ho nihin'ny sampy?11Koa nohon'ny fahaizagnao ny toetra marigny momba ny sampy, dia very lehy rahalahy malemy finoagna araiky, zay nahafataisan'i Kristy. 12Noho zany, koafa magnatogno amin'ny rahalahinareo areo kay mandratra ny saigny malemin-jareo, dia manota manohitry Kristy areo.13 Noho zany, raha ny hanigny no mahatonga ny rahalahiko ho tafintohigny, dia tsy hihinan-kaina eky zaho, mbô tsy avy aminaha no handavo ny rahalahiko.
Chapter 9
1Tsy ôlogno afaka moa zaho? Tsy apostoly moa zaho? Tsy nahita Jesôsy Tompontsika moa zaho? Tsy asanaha ao amin'ny Tompo moa areo? 2Raha tsy apostoly ho nihin'ny hafa zaho, dia farapaharatsiny Apostoly nareo. Fao areo no profo amin'ny maha apostoly zaho ao amin'ny Tompo.3Zao no fiarovako aminjareo zay magnadihady zaho: 4Moa zaho tsy mahazo alalagna ny hihinagna ndraiky higiaka? 5Moa zahay tsy mahazo mitondra vady zay mpino, hotra ny tsabon'ny reo apostoly sasany, ndraiky reo rahalahin'ny Tompo, aveo Kefasy? 6Sa Barnabasy ndraiky zaho zeraiky no tsy maintsy miasa?7Zôvy no magnano fanompoagna miaramila amin'ny fandaniagna manaokagna? Zôvy no mamboly voaloboka aveo tsy mihinagna taignany? Na zôvy no miambigny ondry kay tsy migiaka ny ronono avy amin'ny zany? 8Moa zaho mivaolagna reo raha reo no mifôtotro amin'ny fahefan'ny ôlombelogno? Tsy mivaolagna zany koa moa ny lalàgna?9Fao zany dia afa voasaoratra ao amin'ny lalàgna'i Mosesy magnanjao: ''Aza asiagna fehi-vava ny aomby koafa mihinagna voa izy." Taigna lehy aomby tokoa moa ny hihian-Jagnahary? 10Tsy mikoragna mahakasiky zahay moa izy? Afa nisoroatagna amintsika, fao zay miasa tany dia tôkony hiasa amin'ny fanantenagna, aveo zay mihinagna dia tôkony mihinagna amin'ny fanantenagna hahazo anjara amin'ny vokatra. 11Raha namafy raha ara-pagnahy teo aminareo zahay, moa fôntry loatra aminay moa ny mandidy raha ara-materialy avy aminareo?12Raha mampihatra zany zo zany avy aminareo reo hafa, moa zahay tsy managna mihoatra? Na dia zany aby, tsy nitaky zany zo zany zahay. Fao ndraiky, nalenay niaritry raha jiaby hotra zay ho sakagna ho amin'ny vava maharavon'ny Kristy. 13Moa tsy hainareo fao reo zay manompo ao amin'ny tempoly dia mahazo ny hanignin-jareo avy ao amin'ny tempoly? Aveo moa tsy hainareo fao reo zay manompo egny amin'ny alitara dia mahazo anjara amin'ny zay natao fagnatitry teo amin'ny Alitara? 14Hotra zany koa, ny Tompo dia nandidy fao reo zay mitory vava maharavo dia tôkony hahazo fivilaoman-jareo avy amin'ny vava maharavo.15Naifa tsy nitaky ny araiky tamin'ny reo zo reo Zaho. Avakeo tsy manaoratara zao zaho mbô mety hisy raha tsabogny zaho. Aleko maty hotra zay hisy ôlogno hangala aminaha zany raiharaiha zany. 16Fao raha mitory ny vava maharavo zaho, dia tsisy antony tôkony iraiharaihako, satria tsy maintsy magnano zany zaho. Aveo loza aminaha raha tsy mitory vava maharavo zaho!17Fao raha magnano zany antsitra-pô zaho, dia managna valisoa. Fao raha tsy antsitra-pô ndraiky, dia mbôla managna ny andraikitry zay nankignigny taminaha zaho.18 Ino zany no valisoa naha? Zany dia koafa mitory zaho, dia afaka manôlotro ny vava maharavo tsisy fandoavam-baola kay mbô tsy hampiasa tantairaka ny zoko amin'ny vava maharavo.19Fao na dia afaka amin'ny jiaby aby zaho, dia tonga ho mpanompo ho nihin'ny jiaby, mbô hahazoako taigna maro. 20Teo amin'ny Jiosy dia nanjary hotra ny Jiosy zaho, mbô hazahoako ny Jiosy. Teo amin'ny reo zay ambanin'ny lalàgna, dia nanjary hotra ny ôlogno zay ambanin'ny lalàgna zaho mbô hazahoako reo zay ambanin'ny lalàgna. Nagnano zany zaho na dia tsy teo ambanin'ny lalàgna aby zaho. [Fagnamarinagna: Ny baiboly ULB ndraiky UBD dia mivaky magnanjao: "Nagnano zany zaho na dia tsy teo ambanin'ny lalàgna aby zaho." Ny dikan-teny talaoha sasany dia tsy magnisy zany.]21Tamin'ny reo zay ambailan'ny lalàgna, dia nanjary hotra ny ôlogno ambailany lalàgna zaho, na dia tsy ambailan'ny lalàgnan-Jagnahary aby zaho, fao ambanin'ny lalan'i Kristy. Nagnano zany zaho mbô hazahoako reo zay ambanin'ny lalàgna. 22Teo amin'ny reo malemy dia nanjary ho malemy zaho, mbô hazahoako reo malemy. Tonga raha jiaby ho nihin'ny ôlogno jiaby zaho, mbô hamonjiako sasany amin'ny fomba jiaby. 23Magno raha jiaby zaho ho nihin'ny vava maharavo, mbô hafahako malaka anjara amin'ny reo fitahiagnan'ny zany.24Moa tsy hainareo fao amin'ny fihazakazahagna araiky ny mpihazakazaka jiaby dia magnano ny fihazakazahagna, naifa araiky faogna no mahazo loka? Koa mihazakazaha mbô hahazo ny loka. 25Ny atileta araiky dia mampihatra ny fifehaizan-taigna amin'ny fagnazaran-taignany jiaby. Magnano zany zareo mbô halaka satro-boninahitry zay mety haratra, kanaifa ndraiky atsika mihazakazaka mbô hazontsika satrobogninahitry tsy mety maratra. 26Kay noho zany dia tsy mihazakazaka amin'ny tsisy dikany zaho na mamely totohondry amin'ny rivotro. 27Fao fiheziky ny haigninaha, aveo atako andevo, mbô tsy ho laviny ny haigninaha, koafa avy nitory tamin'ny hafa zaho.
Chapter 10
1Tiako ho hainareo, rahalahy, fao reo iadantsika dia tao ambanin'ny zavogno jiaby aveo namakivaky ranomasigny.2 Ny jiaby dia natao batisa ho amin'i Mosesy tao amin'ny zavogno ndraiky tao amin'ny ranomasigny, 3aveo ny jiaby dia samy nihinagna hanim-pagnahy mitôvy.4 Ny jiaby dia nigiaka tamin'ny vatolampim-pagnahy zay nagnaraka zareo, dia Kristy zany vatolampy zany.5Fao Zagnahary dia tsy nankasitraka tsara ny ankamaroan-jareo, aveo ny fatin-jareo dia naparitaka tagny antany maty. 6Zeo regny raha regny dia aohatra amintsika, mbô tsy hagniriantsika raha ratsy ny nilainjareo.7Aza manompo sampy, hotra zareo. Zany dia araka zay voasaoratra magnanjao: "Reo ôlogno nibidôko mbô hihinagna ndraiky higiaka, avakeo nitsangagna mbô hiala." 8Aoka atsika tsy hijangajanga, hotra ny natan'ny maro tamin-jareo. Tagnatiny andro araiky, dia ôlogno telo arivo sy roa aligny no maty nohon'ny zany.9Aoka faogna koa atsika tsy hitsapa Kristy, hotra ny natan'ny maro tamin-jareo kay naripaka reo bibilava.10 Aza mimonimonigny faogna koa, hotra ny natan'ny maro taminjareo ka naringan'ny anjelin'ny fahafataisagna.11Ary regny raha regny no niboaka taminjareo mbô ho aohatra amintsika. Nisoroatagna mbô ho fampianaragna atsika ziregny—ho amintsika zay niavian'ny fara-andro. 12Noho zany aoka zay mieritreritry ny haignany ho afa mijoro mitandrigny tsara mbô tsy ho lavo. 13Tsisy fakampagnahy nahatakatra areo zay tsy iraisan'ny ôlombelogno jiaby. Fao naifa, Zagnahary dia mahatoky. Tsy hagnambaila areo ho alaim-pagnahy mihoatra zay zakanareo Izy. Miaraka amin'ny fakampagnahy dia hagnamia areo ny làlagna hitsoahagna faogna koa Izy, mbô hafahanareo miaritry zany.14Noho zany, tiako, milifasa lavitry ny fanompon-tsampy.15 Mivaolagna aminareo hotra ny ôlogno manantsaigny zaho, mbô hafahanareo mitsara zay volagniky.16 Ny kapoakan'ny fisaoragna zay isaoran-tsika, moa zany tsy fiombonagna amin'ny lin'ny Kristy? Ny môfo zay vakintsika, moa zany tsy fiombonagna amin'ny haignin'i Kristy? 17Satria araiky faogna ny môfo, atsika zay maro dia haigny araiky. Atsika jiaby dia malaka amin'ny môfo araiky faogna.18Zahavo reo vahoakan'Israely: moa reo zay mihinagna reo fagnatitry tsy mpandray anjara akeo amin'ny alitara? 19Ino ary no koragnintsika ? Hoe tsisy dikany moa zany ny sampy? Sa ny hanigny zay natao fagnatitry tamin'ny sampy no tsisy dikany?20Fao mivaolagna mahakasiky raha zay tsabony reo Jentilisa mpanompo sampy fagnatitry zaho, fao amian-jareo reo masantôko regny raha regny fao tsy amin-Jagnahary. Tsy tiako areo ho mpiombogno amin'ny masantôko! 21Tsy afaka migiaka ny kapoakan'ny Tompo ndraiky kapoakan'ny masantôko areo. Tsy afaka miombogno amin'ny latabatra ny Tompo ndraiky latabatra reo masantôko areo. 22Sa magnano zay mahasaro-piaro ny Tompo moa atsika? Mafy noho Izy moa atsika?23"Ny raha jiaby dia ara-dàlagna," fao tsy ny raha jiaby no mahatsara. "Ny raha jiaby dia ara-dàlagna," fao tsy raha jiaby no mampandroso ny ôlogno. 24Tsisy tôkony hitady ny tômbontsoany manaokagna. Fao ndraiky, ny tsiaraikiaraiky dia tôkony hitady ny tômbontsoan'ny namany.25Afaka mihinagna zay jiaby avidy egny an-tsaina areo, fao aza magnotany ny fieritrairatagna. 26Fao ''nihin'ny Tompo ny tany, zay jiaby misy akeo aminazy." 27Raha misy tsy mpino manasa areo hihinagna, kay magniry ny handaiha areo, dia hoano zay jiaby mipaitraka eo ankilanao kay aza mametraka fagnintaniagna ny eo amin'ny fieritreraitagna.28Fao raha misy mivaolagna magnanjao: "Tô hanigny tô dia avy amin'ny fagnatitry ny mpanompo sampy," dia aza mihinagna zany. Zany dia nihin'ny lehy nagnambara areo, ndraiky ho nihin'ny fieritreraitagna. [Fagnamarihagna: Ny dikan-teny talaoha sasany dia magnampy magnanjao: "Fao ny tany ndraiky raha jiaby ao aminazy dia nihin'ny Tompo." Fao ny dikan-teny taigna tsara dia tsisy zany.] 29Tsy mivaolagna zaho magnanjao ny fieritreraitagna manaokagna, fao ny fieritreraitan'ny ôlon-kafa. Nagnino ny fahafahako no tôkony ho tsarain'ny fieritreraitan'ny hafa? 30Raha malaka anjara amin'ny hanigny am-pankasitrahagna zaho, nagnino no tevitevaigny amin'ny zay nagnamaizako fisaoragna?31Noho zany, na mihinagna na migiaka areo, na ino na ino tsabonareo, dia atôvy ho voninahitry Zagnahary jiaby. 32Aza magnamia fanafintohinagna ny Jiosy na ny Grika, na ny fiangonan-jagnahary. 33Miaizaka ny haharavo ny ôlogno jiaby amin'ny raha jiaby zaho. Tsy mitady tombontsoako zaho, fao nihin'ny maro. Ataoko zany mbô ho voavonjy zareo.Chapter 11
1Mangala tahaka zaho, hotra zaho malaka tahaka Kristy. 2Aveo midaira areo zaho satria mahatsaro zaho amin'ny raha jiaby areo. Midaira areo zaho satria mitagna mafy ny fombafomba araka zay nanolorako azy reo teo aminareo areo. 3Ary tiako ho azonareo fao Kristy no laohan'ny lalahy jiaby, fao ny lalahy no laohan'ny vaiavy, avakeo Zagnahary no lohan'i Kristy. 4Avakeo mangala vogninahitry ny laohany reo lalahy zay mivavaka na maminagny kay misaron-daoha.5Fao mangala vogninahitry ny laohany reo vaiavy zay mivavaka na maminagny tsy misatro-daoha. Fao tsy hafa aveo mitôvy amin'ny hoe vaiavy mandratra ny laohany zany.6 Fao raha tsy misatro-daoha ny vaiavy, dia tôkony tapahigny ho fohy ny volony. Raha mahamaingatra ny vaiavy ny manapaka ny volony na ny mandratra ny laohany, dia aoka izy hanarogno ny laohany.7Fao tsy tôkony hisafodaoha ny lalahy, satria izy no sary ndraiky vogninahitry Zagnahary.8Fao ny vaiavy dia vogninahitry ny lalahy. Fao ny lalahy dia tsy natao avy tamin'ny vaiavy. Fao ndraiky, ny vaiavy no natao avy tamin'ny lalahy.9Fao tsisy lalahy niforônigny ho nihin'ny vaiavy. Fao ndraiky, ny vaiavy no niforônigny ho nihin'ny lalahy. 10Zany no tôkony hanagnan'ny vaiavy ny mariky ny fahefagna eo amin'ny lohany, noho reo anjely.11Na zany ndraiky, ao amin'ny Tompo, tsy mahaleo-taigna amin'ny lalahy ny vaiavy, na ny lalahy mahaleo-taigna amin'ny vaiavy. 12Fao raha avy amin'ny lalahy ny vaiavy, dia ny lalahy koa dia avy amin'ny vaiavy. Avakeo, avy amin-Jagnahary ny raha jiaby.13Tsara ny haigninareo: Mety amin'ny vaiavy moa ny mivavaka amin-Jagnahary tsy misafo-daoha?14 Tsy ny natiora lasitekiny aza moa no mampianatra areo fao raha ny lalahy no lava volo, dia fahafaham-baraka aminazy zany? 15Tsy mampianatra areo moa ny natiora fa raha ny vaiavy no lava volo, dia vogninahitry aminazy zany? Fao namiagna azy ny volony mbô hanarognany azy.16 Fao raha misy ti-hiady hevitry amin'ny zany, dia tsy managna fampiharagna hafa zahay, na reo fiangonan-Jagnahary.17Fao agnatin'ny reo torolàlagna magnaraka, dia tsy midaira areo zaho. Fao koafa miaraka tonga areo, dia tsy ho amin'ny tsara zany fao ho amin'ny taigna ratsy. 18Fao tamin'ny voalohany ndraiky, dia regniky fao koafa miaraka mivôry ao amin'ny fiangonagna areo, dia misy fizarazaragna akeo aminareo, aveo mino zany amin'ny ampahany zaho. 19Fao tsy maintsy misy fitsitokatokanagna akeo aminareo, mbô hankasitrahigny eo aminareo reo zay nikehigny.20Fao koafa mivôry areo, dia tsy ny Fanasan'ny Tompo no hoaninareo. 21Koafa mihinagna, dia samy mihinagna ny hanigny manaokagna ny tsiaraikiaraiky alaohan'ny hinanan'ny reo hafa. Tihinagna ny araiky, aveo ny hafa nanjary mamo. 22Tsy managna tragno ihinanagna ndraiky higiahagna moa areo? Ho tsinotsinoavinareo moa ny fiangonan-Jagnahary kay hahitrinareo zay tsy managna na ino na ino? Ino no tôkony hivolagniky aminareo? Tôkony hidaira areo moa zaho? Tsy hidaira areo amin'ny zany zaho.23Fao niraisiky avy amin'ny Tompo faogna koa zay ampitaiko areo, fao Jesôsy Tompo, tamin'ny aligny zay namadihagna Azy, dia nalaka môfo. 24Koafa avy nigiaka Izy, dia nanapaka zany aveo nivaolagna nagnanjao: "Tô ny haigninaha, zay ho nihinareo. Atôvy zao ho fahatsiarovagna Zaho."25Mitôvy amin'ny zay koa dia niraisigny ny kapoaka koafa avy nihinagna haligny, aveo nivaolagna Izy nagnanjao: "Tô kapoaka tô no fagnikiagna vava ao amin'ny lionaha. Atôvy zao na afriagna na afriagna areo no migiaka, ho fahatsiarovagna Zaho." 26Amin'ny fotoagna jiaby zay hinananareo tô môfo tô ndraiky higiahanareo amin'ny tô kapoaka tô, dia magnambara ny fahafataisan'ny Tompo papiky haviany areo.27Na zôvy na zôvy, noho zany, mihinagna ny môfo na migiaka amin'ny kapoakan'ny Tompo amin'ny haigny ndraiky lion'ny Tompo. 28Aoka handiniky ny haigninareo alaohaka ny ôlogno, avakeo amin'ny zany dia aoka hihinagna ny môfo avakeo higiaka amin'ny kapoaka izy. 29Fao izy zay mihinagna ndraiky migiaka kay tsy mahay ny haigny, dia mihinagna ndraiky migiaka fitsaragna ho amin'ny haigniny. 30Zany no mahatonga ny maro aminareo ho osa ndraiky marary, avakeo ny sasany aminareo hofoaty.31Fao raha mandini-taigna atsika, dia tsy ho tsaraigny. 32Fao koafa voatsaran'ny Tompo atsika, dia mpagnara-dalagna, mbô tsy ho voaheloko miaraka amin'ny zao tontolo zao.33Noho zany, ry rahalahiko, koafa mivôry mbô hihinagna areo, dia mifandignaisa. 34Raha misy ôlogno araiky, tihinagna, aoka izy hihinagna agny antragno, amin'ny zay koafa mivôry areo dia tsy ho amin'ny fitsaragna zany. Avakeo mahakasiky reo raha hafa zay nisoroatanareo, dia hagnamia torolalagna zaho koafa tonga.
Chapter 12
1Mahakasiky reo fagnomaizam-pagnahy, rahalahy, dia tsy tiako tsy hahay areo.2 Hainareo fao tamin'ny areo mpanompo sampy, dia voavily nagnagny amin'ny reo sampy tsy manam-peo areo, tagny amin'ny zay lalagna jiaby nitarihin'ny regny areo. 3Noho zany tiako ho hainareo fao tsisy ôlogno zay mivaolagna amin'ny Fagnahin-Jagnahary afaka mivaolagna: "Jesôsy dia voahôzogno." Tsisy afaka mivaolagna magnanjao: "Jesôsy dia Tompo,'' koa tsy amin'ny alalan'ny Fagnahy Masigny.4Ary misy fagnomaizam-pagnahy samihafa, fao Fagnahy mitôvy faogna. 5Misy fanompoagna samy hafa, fao Tompo mitôvy faogna;6 ary misy karazagn'asa samihafa, fao Zagnahary mitôvy faogna no magnano zareo ho azo atao amin'ny tsiaraikiaraiky.7Ary hoan'ny tsiaraikiaraiky no namiagna fanehoagna ambailan'ny Fagnahy hoan'ny tombontsoan'ny jiaby. 8Fao amin'ny ôlogno araiky dia namiagna avy amin'ny Fagnahy ny vaolagna fahindriagna, aveo hoan'ny araiky hafa ny vaolagna fahaizagna amin'ny alalan'ny Fagnahy mitôvy faogna.9Hoan'ny araiky hafa dia namiagna ny finoagna amin'ny alalan'ny Fagnahy mitôvy, ary ho an'ny araiky hafa reo fagnomaizam-pahasoavagna hampahivagna amin'ny alalan'ny Fagnahy araiky. 10Hoan'ny hafa dia namiagna reo asan'ny ngôvo, aveo hoan'ny araiky hafa faminaniagna. Hoan'ny araiky hafa dia namiagna fahafahagna magnavaka reo fagnahy, hoan'ny araiky hafa reo karazagna fivolagnagna samihafa, ary hoan'ny araiky hafa ny fandikagna vaolagna.11 Fao ny Fagnahy araiky sady mitôvy faogna no miasa ao amin'ny zany jiaby zany, namiagna reo fagnomaizam-pagnahy hoan'ny ôlogno tsiaraikiaraiky aby, araka zay nifidiany.12Fao satria ny vatagna dia araiky managna rantsagna maro ary ny jiaby dia rantsan'ny lehy vatagna faogna, noho zany dia miaraka amin'i Kristy zany. 13Fao tamin'ny alalan'ny Fagnahy araiky no nitsaboagna batisa atsika jiaby koafa ho vatagna araiky, na reo Jiosy na reo Grika, na voafatotra na afaka, ary ny jiaby dia natao mbô higiaka amin'ny Fagnahy araiky.14Fao ny vatagna dia tsy rantsagna taokagna, fao maro.15 Raha mivaolagna ny tongotro magnanjao: "Satria tsy tagnagna zaho, dia tsy rantsagna amin'ny vatagna zaho," zany dia tsy hely amin'ny rantsan'ny vatagna aby.16 Ary raha ny sôfigny no hivaolagna magnanjao: "Satria tsy maso zaho, dia tsy rantsagna amin'ny vatagna zaho," zany dia tsy hely amin'ny rantsan'ny vatagna aby. 17Raha maso ny vatagna jiaby, dia ho aiza ny fandrignaisagna? Raha sôfigny ny vatagna jiaby, dia ho aiza ny fanimboloagna?18Fao Zagnahary nandamigny ny rantsan'ny vatagna tsiaraikiaraiky araka ny namoraonany zany. 19Raha rantsagna mitôvy faogna izy jiaby, aiza no hoisy vatagna? 20Kay zao dia rantsagna maro zareo, fao vatagna araiky faogna.21Ny maso tsy afaka mivaolagna amin'ny tagnagna magnanjao: "Tsisy ilàko anao." Na ny laoha tsy hivaolagna amin'ny hongotro magnanjao: 22"Tsisy ilàko anao." Fao reo rantsagna amin'ny vatagna zay miboaka ho taigna malemy dia taigna ilaigny, 23ary reo rantsan'ny vatagna zay heverintsika fao tsy dia manan-danja, dia amiantsika lanja taigna gaida reo, ary reo rantsantsika tsy faboaka dia managna fahamendrehagna mihoatra. 24Avakeo ny rantsantsika faboaka dia tsy mila ndesigny amin'ny fahamaindrehagna, fao reo dia afa managna fahamendrehagna. Fao Zagnahary nampikambagna ny rantsagna jiaby miaraka, aveo izy nagnamia lanja reo zay tsy ampy zany.25Nagnano zany Izy mbô tsy hoisy fisarahagna eo amin'ny vatagna, fao mbô hifampikarakara amin'ny fitiavagna mitôvy re rantsagna. 26Noho zany koafa mijaly ny rantsagna araiky, dia miara-mijaly reo rantsagna jiaby; na koafa amian-danja ny rantsagna araiky, dia miaraka ravo ny rantsagna jiaby. 27Ary areo dia vatan'i Kristy ary rantsagna amin'ny zany ny tsiaraikiaraiky.28Ary Zagnahary nanendry tao amin'ny fiangonagna reo apostoly alaoha, faharoa reo mpagnazary, fahatelo reo mpampianatra, aveo reo zay magnano asa mahagaga, aveo reo fagnomaizam-pahasoavagna hampahivagna, reo zay magnamia fagnampiagna, reo zay magnano ny asan'ny fitantagnan-draharaha, ary reo zay managna karazagna fivolagnagna samihafa. 29Apostoly moa zareo jiaby? Mpagnazary jiaby moa? Mpampianatra jiaby moa? Magnano asa mahagaga jiaby moa?30Managna fagnomaizam-pahasoavagna hampahivagna moa izy jiaby? Mivaolagna amin'ny fivolagnagna tsy hay moa izy jiaby? Mandika vaolagna moa izy jiaby? 31Taigna tadiavo reo fagnomaizam-pagnahy taigna gaida. Fao hagnaboaka areo lalagna taigna tsara.Chapter 13
1Na dia ata hoe mivolagna amin'ny fivolagnan'ny reo ôlogno ndraiky reo anjely aby zaho. Fao raha tsy managna fitiavagna, dia tonga vy magneno na kipantsona mikarantsam-peo zaho. 2Na dia atao hoe managna fagnomaizan'ny faminaniagna ary mahay reo misitery ndraiky fahaizagna jiaby aby zaho, ary managna finoagna jiaby afahagna mamindra reo tanety. Fao raha tsy manam-pitiavagna, dia tsinotsinona zaho. 3Na dia ata ho magamia zay jiaby anagnako hamahagna ny mijaly aby zaho, ary manôlotro haigniky ho roagna. Fa raha tsy manam-pitiavagna, dia tsy mahazo na ino na ino zaho. [Fagnamarihagna: Ny ULB ndraiky ny UDB dia samby managna dikan-teny maro, mivaky karaha zao: "Hamiako mbô ho roagna ny haigniky." Ny dikan-teny sasany ndraiky dia mivaky magnanjao: "Hamiako ny haigniky mbô ho raiharaihako."]4Ny fitiavana mahari-pô sady tsara fagnahy. Ny fitiavagna tsy mitsiriritra na miraiharaiha. Tsy miavogno na 5magnano zay tsy mahamendriky. Tsy tia taigna. Tsy maora vingitry, na mitanisa fahadisoagna. 6Tsy miravo amin'ny tsy fahamarignagna. Fao, miravo amin'ny fahamarignagna.7 Ny fitiavagna mandefitry ny raha jiaby, mino raha jiaby, matoky raha jiaby, aveo miaritry raha jiaby.8Tsy ho tapitry bariky dintany ny fitiavagna. Raha misy faminaniagna, dia ho levogno reo. Raha misy fivolagnagna amin'ny vaolagna tsy hay, hijanogno reo. Raha misy fahaizagna, dia ho levogno zany. 9Fao atsika dia mahay amin'ny ampahany ary maminagny amin'ny ampahany. 10Fao koafa tonga lehy taigna lafatra, dia ho levogno zay tsy tantairaka.11Tamin'ny mbôla zaza zaho, nivaolagna tôrotro ny zaza, nieritreritry taokagna zaza, nisaigny karaha ny zaza. Koafa gaida zaho, dia nambailako ny fahazazagna. 12Fao zeo atsika dia mahita tsy mivantagna amin'ny fitaratra, fao rahatrizay dia hifagnatri-tava. Zeo zaho dia mahay amin'ny ampahany, fao aveo zaho dia hahay tantairaka karaha ny nahay zaho tantairaka. 13Fao avaizo dia reto telo reto no mitoaitra: ny finoagna, ny fanantenagna, avakeo fitiavagna. Fao ny fitiavagna ny taigna gaida aminjareo.
Chapter 14
1Mitadiava fitiavagna avakeo manàgna zôtom-pô amin'ny reo fagnomaizam-pagnahy, fao indrindra ny mbô haminanianareo. 2Fao zay mivaolagna amin'ny fivolagna tsy hay dia tsy mikoragna amin'ny ôlogno fao amin-Jagnahary. Fao tsisy mahazo azy satria mivaolagna raha mivôny ao amin'ny Fagnahy izy. 3Fao zay maminany dia mikoragna amin'ny ôlgno mbô ho fampioraignagna zareo, ho fampirisihagna zareo, aveo fampiononagna zareo. 4Zay mivaolagna amin'ny fivolagna tsy hay dia magnorigny haigniny, fao zay maminagny dia magnorigny ny finoagna.5Zeo dia magniry areo jiaby hivaolagna amin'ny fivolagnagna tsy hay zaho. Fao mbôla mihoatra noho zany aby, magniry Zaho ny haminanianareo. Zay maminagny dia taigna gaida ohoarigny zay mivaolagna amin'ny fivolagnagna tsy (raha tsy hoe misy ôlogno araiky mandika vaolagna kay mbô mety hioraignan'ny fiangonagna). 6Fao zeo, rahalahy, raha havy eo aminareo amin'ny fivolagnagna tsy hay zaho, ino no tombontsoa amiako areo amin'ny zany? Tsy afaka zaho, raha tsy hoe mivaolagna aminareo amin'ny fagnambaragna, na fahaizagna, na faminaniagna, na fampianaragna.7Raha mamoaka feo reo raha magneno tsy managn'aigny—karaha sodina na lokanga—avakeo tsy magnaboaka lantom-peo samihafa reo, akôry no hahaizan'ôlogno zay melodia aboakan'ny sodina na ny lokanga? 8Fao raha magnano feo hafahafa ny trompentra, akôry no hahaizan'ôlogno koafa fotoagna hiomanagna amin'ny ady? 9Kay tôrotro zany faogna koa ny aminareo. Raha tsy mazava ny vaolagna aboakan'ny vavanareo, akôry no hahaizan'ôlogno zay nikoragninareo.10Misy fivolagnagna maro samihafa aketo amin'zao tontolo zao, aveo tsisy amin'ny regny no tsisy dikany. 11Fao raha tsy mahay dikan'ny fivolagnagna araiky zaho, dia ho vahiny amin'ny zay mivaolagna, avakeo zay mivaolagna ho vahiny aminaha.12Raha zany foagna koa ny aminareo. Satria taigna magniry ny fihitsaihan'ny Fagnahy areo, dia manàgna zôtom-pô mbô hiroborobo amin'ny fagnoraignagna ny finoagna. 13Noho zany zay mivaolagna amin'ny fivolagnagna tsy hay dia tôkony hivavaka mbô hafahany mandika vaolagna. 14Fao raha mivavaka amin'ny fivolagnagna tsy hay Zaho, dia mivavaka ny fagnahiky, fao ny saigninaha tsy mamoa.15Ino no tôkony ho tsaboky? Hivavaka amin'ny fagnahiky zaho, fao hivavaka amin'ny saigny naha foagna koa. Hihira miaraka amin'ny fagnahiky zaho, avakeo hihira miaraka amin'ny saigny naha koa. 16Raha tsy zany, raha midaira Zagnahary miaraka amin'ny Fagnahy areo, akôry no hivolagnin'ny vahiny hoe: "Amena" koafa magnamia fisaoragna anao raha aohatra kay tsy hainy zay koragninao.17Fao anao dia taigna magnamaiza fisaoragna tsara faogna, fao ny ôlon-kafa tsy miorigny. 18Misaotra Zagnahary zaho fao mivaolagna amin'ny fivolagnagna tsy hay mihoatra noho areo jiaby. 19Naifa agny am-mpiangonagna dia aleoky mivaolagna vaolagna dimy araka ny fazahoako mbô hafahako mampianatra reo hafa, toy zay vaolagna ray aligny amin'ny fivolagnagna tsy hay.20Oa rahalahy, aza mbô zaza amin'ny fihevitry areo. Fao ndraiky, raha amin'ny ratsy, dia manaova tôrotro zaza.21 Fao amin'ny fihevitriareo dia aoka ho matotro areo. Ao amin'ny lalàgna dia voasaoratra: "Amin'ny alalan'ny ôlogno hafa fivolagnagna ndraiky amin'ny alalan'ny môlotro ny vahiny dia hivaolagna amin'ny reto ôlogno reto Zaho. Na dia tsy hahiregny Zaho aby zareo," hoizy Tompo.22Noho zany reo fivolagnagna tsy hay dia famantaragna, tsy amin'ny reo mpino, fao amin'ny reo tsy mpino. Fao ny faminaniagna ndraiky dia ho famantaragna, tsy hoan'ny reo tsy mpino, fao hoan'ny reo mpino.23 Noho zany, raha aohatra kay, miara-mivôry ny fiangonagna jiaby aveo mivaolagna amin'ny fivolagna tsy hay jiaby, ary miditry reo vahiny ndraiky tsy mpino, tsy ho koragninjareo fao laifaka moa areo?24Fao raha naminagny jiaby areo jiaby kay nisy tsy mpino na vahiny niditry, dia ho resy lahatra amin'nny zay jiaby regniny izy. Ho tsaraigny amin'ny alalan'ny zay jiaby nambara izy. 25Ho ambara ny tsiambaratelo ao am-pô. Vokatry zany, hiondriky izy ary hankalaza Zagnahary. Hambara izy fao taigna eo aminareo Zagnahary.26Ino zany no magnaraka, rahalahy? Koafa tafiaro areo, ny tsiaraikiaraiky dia managna salamo, fampianaragna, fagnambaragna, fivolagnagna tsy hay, na fandikan-teny. Tsaboy ny raha jiaby mbô hagnoraignanareo ny fiangonagna.27 Raha misy mivaolagna amin'ny fivolagna tsy hay, ambilào hisy aroa na farapahamarony telo eo, aveo mandaiha tsiaraikiaraiky, avakeo dia tôkony hoisy araiky handika ny vaolagna zay nambara.28 Fao raha tsisy mpandika-vaolagna, ambilao ny tsiaraikiaraiky aminjareo hitagna fahanginagna ao am-piangonagna. Avilào ny tsiaraikiaraiky hikoragna mitaokagna amin'ny haigniny ndraiky amin-Jagnahary.29Avilào hivaolagna ny mapagnazary aroa na telo, ary avila reo hafa hitandregny amin'ny fahaiza-magnavaka zay nambara.30 Fao raha misy fahitagna amaizagna zay mibidôko eo amin'ny fanompoagna, avilao hangigny lehy araiky zay nivaolagna.31Fao ny tsiaraikiaraky aminareo dia afaka mifanolo maminagny mbô hafahan'ny tsiaraikiaraiky mianatra aveo mbô hahery jiaby. 32Fao ny fagnahin'ny reo mpagnazary dia eo ambanin'ny fagnaraha-mason'ny reo mpagnazary. 33Fao Zagnahary dia tsy Zagnahariny ny fikorontanagna hoan'ny reo fiangonan'ny reo mpino jiaby.34Ny vaiavy dia tôkony hitagna fahanginagna ao am-piangonagna. Satria tsy mahazo alalagna hivaolagna zareo. Fao, tôkony hagneky zareo, karaha ny ambaran'ny lalàgna.35 Raha misy tianjareo hianaragna, avilao hagnontany ny vadiny agny an-tragno zareo. Fao mahamaingatra hoan'ny vaiavy ny mivaolagna ao am-piangonagna. 36Avy aminareo moa no navian'ny vaolagna Zagnahary? Areo zeraiky moa no voakasiky zany?37Raha misy mieritreritry ny haigniny ho mpagnazary na ara-pagnahy, dia tôkony hagneky izy fao reo raha zay soroatako aminareo dia didin'ny Tompo. 38Fao raha misy tsy magneky zany, dia ambilao izy tsy ho kehigny. [Fagnamarihagna: Ny ankamaroan'ny dikan-teny, ao agnatiny zany ny ULB ndraiky UDB, dia mamaky magnanjao: "Fao raha misy tsy magneky zany, dia aoka tsy hokehigny izy." Ny dikan-teny sasany talaoha magnanjao: "Fao raha misy tsy mahay zany, dia aoka izy tsy hahay zany."]39Kay amin'ny zany, rahalahy, taigna magniria ny haminagny, aveo aza mandrara na zôvy na zôvy hivaolagna amin'ny fivolagnagna tsy hay. 40Fao avilao ny raha jiaby tsabogny araka ny tôkony ho izy ndraiky am-pilaminagna.Chapter 15
1Zeo mpampahatsaro areo zaho, rahalahy, ny amin'ny vava maharavo zay nambarako taminareo, zay nirasinareo ndraiky zay itsangananareo. 2Amin'ny alalan'ny zany vava maharavo zany no hahavoavonjy areo, raha mitagna mafy amin'ny vaolagna nitoriky taminareo areo, raha tsy hoe ninoninona foagna.3Fao natôlotro ho zava-dehibe voalaohany hoanareo zay azoko faogna koa: fao maty hoan'ny fahotagnantsika Kristy nivolagnin'ny Saoratra Masigny, 4ary nalevigny Izy, avakeo Izy natsangagna tamin'ny maty tamin'ny andro fahatelo nivolagnin'ny Saoratra Masigny.5Kristy niboaka tamin'i Kefasy, ary avakeo tamin'ny reo aroa ambin'ny fôlo;6 aveo niboaka indraimandaiha tamin'ny reo rahalahy mihoatra ny dimanjato. Mbôla velogno ny ankamaroan-jareo, fao ny sasany nodimandry. 7Aveo Izy niboaka tamin'i Jakoba, aveo tamin'ny reo apostoly jiaby.8Taigna farany, dia niboaka taminaha Izy, tôrotro ny hoe tamin'ny zaza tairaka tsy tonga volagna. 9Fao zaho no taigna hely amin'ny reo apostoly. Zaho dia tsy magnaiva ny antsôvigny hoe apostoly satria nagnenjiky ny fiangonan-Jagnahary zaho.10Fao nohon'ny fahasoavan-Jagnahary no naha toy zao zaho, avakeo tsy foagna ny fahasoavany akato aminaha. Fao ndraiky, taigna niasa mafy ohoarigny amin'ny izy jiaby zaho. Naifa tsy zaho zany, fao ny fahasoavan-Jagnahary zay miaraka aminaha.11 Noho zany zaho zany na zareo, karaha ny nitorianay dia araka zany no inoanareo.12Zeo raha nambara fao Kristy dia natsangagna tamin'ny maty, akôry no hahafahan'ny sasany aminareo mivaolagna fao tsisy ny fitsanganagna amin'ny maty? 13Naifa raha tsisy ny fitsanganagna amin'ny maty, dia tsy natsangagna aby Kristy; 14aveo raha tsy natsangagna Kristy, foagna ny toriteninay, ary foagna faogna koa ny finoagnanareo.15Kay, hita ho antomoa diso mahakasiky Zagnahary zahay satria nitsangagna antomoa nanohitry Zagnahary, nivaolagna nagnanjao natsangagna Kristy koafa tsy nagnano zany Izy.16 Raha tsy natsangagna ny maty, dia na Kristy aby tsy natsangagna; 17aveo raha tsy natsangagna Kristy, dia foagna ny finoagnanare aveo mbôla ao amin'ny fahotagnanareo areo.18Ary zay jiaby maty ao amin'i Kristy dia afa very faogna koa. 19Raha amin'ny tô fiainagna tô faogna no anagnantsika toky amin'ny hoavy ao amin'ny Kristy, dia atsika no taigna mampahonena amin'ny ôlogno jiaby.20Fao zeo afa natsangagna tamin'ny maty Kristy, lehy voalaoham-bokatr'ireo zay maty. 21Fao satria havy tamin'ny alalan'ny ôlogno araiky ny fahafataisagna, dia avy tamin'ny alalan'ny ôlogno araiky faogna koa no navian'ny fitsanganagna amin'ny maty.22Fao tôrotro ny nahafataisan'ny jiaby tao amin'i Adama, dia ho velogno ao amin'i Kristy faogna koa jiaby. 23Kanaifa samy ao amin'ny filaharany manaokagna ny tsiaraikiaraiky: Kristy, lehy voalaoham-bokatra, ary aveo reo zay nihin'i Kristy dia ho atao velogno amin'ny fiaviany.24Aveo hoavy ny farany, koafa hamaizan'i Kristy ho nihin'i Zagnahary Iada ny fanjakagna. Zany dia koafa hagnafoagna ny fitsipiky jiaby ndraiky ny fahefagna jiaby avakeo ny angôvo Izy. 25Fao tsy maintsy manjaka Izy papiky hambilany fahavalony jiaby ao ambanin'ny hongony. 26Ny fahavalo farany haringagna dia ny fahafataisagna.27Fao "Navailany teo ambanin'ny hongony jiaby ny raha jiaby." Fao nambara fao: "Izy no namaitraka ny raha jiaby," dia mazava tsara fao tsy tafiditry ao agnatin'ny zany lehy araiky namaitraka raha jiaby hagneky haigniny. 28Koafa magneky Azy ny raha jiaby, dia ny Zanaka lasite no hagneky lehy araiky zay nampagneky ny raha jiaby ho Azy. Hiboaka zany mbô ho jiaby ao amin'ny jiaby ny Zagnahary Iada.29Na koa ino no ilaigna reo zay vita batisa hoan'ny maty? Raha tsy natsangagna lasite ny maty, nagnino zareo tsabogny batisa hoan-jareo?30 Nagnino ary, atsika am-bava loza isam-potoagna?31Miatriky fahafataisagna isan'andro zaho! Zany dia azo antoko tôrotro ny fireharehako ny aminare, zay azoko ao amin'i Kristy Jesôsy Tompontsika. 32Ino no tômbony azoko, avy amin'ny fomba fizahavan'ôlombelogno, raha niady tamin'ny biby tao Efesosy zaho, raha tsy natsangagna ny maty? "Aoka atsika hihinagna aveo higiaka satria hofoaty atsika amaraigny."33Aza mety ho fitahigny magnanjao: "Mandratra fisaignagna tsara ny nama-dratsy." 34Mandiniha! Miaigna am-pahamarinagna! Aza manôhy manota! Fao ny sasany aminareo dia tsy managna fahaizagna Zagnahary. Mivaolagna zany hoamin'ny fahamignaragna zaho.35Fao ny ôlogno araiky hivaolagna: "Akôry no namilaomagna ny maty, ary amin'ny karazagna vatagna ino no hatongavan-jareo?"36 Tsy mahay na ino na ino areo! Zay hafafinareo dia tsy hanomboko hitômbo raha tsy maty zany.37Zay nafafinareo dia tsy ny vatagna zay hoavy, fao voa faogna. Zany dia mety hanjary vary na raha hafa. 38Fao hamaizan-Jagnahary azy ny vatagna araka zay safidiany, avakeo samby amin'ny vatany aby ny voa tsiaraikiaraiky. 39Tsy ny nôfo jiaby no mitôvy. Fao ndraiky, araiky ny nôfon'ôlombelogno, dia hafa ny nôfon'ny reo biby, ary nôfo hafa nihiny vôrogno, ary hafa nihin'ny hazandrano.40Misy faogna koa reo vatagna akagny an-dangitry ndraiky reo vatan'ny aketo an-tany. Fao karazagna araiky faogna ny vogninahitry ny vatagna agny an-dangitry ary hafa ny vogninahitry ny aketo an-tany. 41Araiky ny vogninahitry ny masaova, ary hafa ny vogninahitry ny davolagna, ary vogninahitry hafa nihin'ny reo lakintagna. Fao ny lakintagna araiky miavaka amin'ny lakintagna araiky hafa amin'ny vogninahitry.42Tôrotro zany koa ny fitsanganagna amin'ny maty. Zay afafy dia mety haratra, avakeo zay atsangagna dia tsy mety maratra.43 Afafy tamin'ny fahafaham-baraka zany; dia natsangagna am-bogninahitry. Afafy tamin'ny fahalimiagna zany; dia natsangagna amin'ny ngôvo.44 Afafy amin'ny vatagna voajagnahary zany; dia atsangagna ho vatagna ara-pagnahy. Raha misy vatagna voajagnahary, dia misy vatagna ara-pagnahy faogna koa.45Ary afa voasaoratra faogna koa fao: "Nanjary fagnahy velogno Adama lehy lalahy voalaohany." Lehy Adama farany dia nanjary fagnahy magnamia fiainagna. 46Fao tsy ny ara-pagnahy no tonga voalaohany fao ny voajagnahary, ary aveo ny ara-pagnahy.47Ny ôlogno voalaohany dia avy amin'ny tany, namboarigny tamin'ny jôfo. Ny ôlogno faharoa dia avy akagny an-dangitry. 48Tôrotro lehy araiky namboarigny tamin'ny jôfo, tôrotro zany koa lehy ôlogno akagny an-dangitry, ary karaha zany faogna koa reo zay avy akagny an-dangitry. 49Karaha ny nindaisantsika ny bikan'ny lehy ôlon'ny jôfo, dia hinday ny bikan'ny lehy ôlon'ny langitry faogna koa atsika.50Ary zao no volagniky, rahalahy, fao ny nôfo aman-drà dia tsy afaka ny handaova ny fanjakan-Jagnahary. Na zay mety maratra handaova zay tsy mety maratra. 51Tô! Raha marigny mivôny no ho volagniky areo: Tsy hofoaty jiaby atsika jiaby, fao hovoagna jiaby atsika jiaby.52Hiaova atsika amin'ny fotoagna araiky, ao agnatin'ny ndraiky mipi-maso, amin'ny trompaitra farany. Hagneno ny trompaitra, ary reo maty dia hatsangagna ho tsy mety lô, aveo dia hovoagna atsika. 53Fao tô vatagna mety maratra tô dia tsy maintsy hisikigny zay tsy mety lô, avakeo tô vatagna mety maty tô dia tsy maintsy hisikigny ny tsy fahafataisagna.54Fao koafa misikigny ny tsy mety maratra tô vatagna mety maratra tô, ary koafa misikigny ny tsy fahafataisagna tô vatagna mety maty tô, dia ho tonga amin'ny lehy vaolagna zay voasaoratra magnanjao: "Voateligny tamin'ny fandrisiagna ny fahafataisagna." 55"Oa fahafataisagna, aiza ny fandresanao? Oa fahafataisagna, aiza ny fanindrognoa?''56Ny ota no fanindron'ny fahafataisagna, aveo ny angôvon'ny ota dia ny lalàgna. 57Fao isaoragna Zagnahary, zay nagnamia atsika ny fandrisiagna amin'ny alalan'i Jesôsy Kristy Tompontsika!58Noho zany, rahalahy tiako, mioraigna tsara aveo aza mihôzonkôzogno. Mandrosoa lalandava amin'ny asan'ny Tompo, satria hainareo fao tsy very maigny ny asanareo ao amin'ny Tompo.Chapter 16
1Ary mahakasiky ny famoriam-baola amin'ny reo mpino, araka ny nanoroako lalagna ny fiangonan' Galatia, dia karaha zany koa no tôkony tsabonareo. 2Amin'ny andro voalaohan'ny herignandro, dia tôkony hanaokagna raha ny tsiaraikiaraiky aminareo ary hikajy zany araka zay vitanareo. Manaova zany mbô tsy hisian'ny famoriam-baola jiaby koafa tonga zaho.3Koafa havy zaho, na zôvy na zôvy kehinareo, dia alaifako miaraka amin'ny taratasy mbô hanolaoragna ny fagnatitry areo hoan'i Jerosalema.4 Raha aohatra kay mety aminaha faogna koa ny mandaiha, dia handaiha hiaraka aminaha zareo.5Fao hoavy akagny aminareo zaho koafa mandalo Makedonia. Fao handalo Makedonia zaho. 6Mety afaka hijanogno miaraka aminareo zaho na mandritry ny fararano aby, mbô hahafahanareo magnampy zaho amin'ny diako, na aiza na aiza mboako.7Fao tsy magniry ny hahita areo mandritrany fotoagna fohy zaho zao. Fao magnantaigna ny hidôko maharitry miaraka aminareo, raha ambaila'ny Tompo. 8Fao hijanogno ao Efesosy zaho papiky tongavan'ny Pentekosta, 9fao afa varavaragna malalaka no nisaokatra ho zaho, avakeo misy fahavalo maro.10Ary koafa tonga Timoty, dia ezaho mbô tsy hatahotro izy miaraka aminareo, fao mitsabo ny asan'ny Tompo izy, karaha ny atako. 11Aza ambaila hoisy ôlogno hagnano tsinotsinona azy. Ampia izy amin'ny fiadanagna, mbô hahafahany mandaiha aminaha. Fao magnantaigna azy mbô ho tonga hiaraka amin'ny reo rahalahy zaho. 12Avakeo mahakaisiky Apolosy rahalahintsika, dia nampirisiky azy mafy zaho mbô hamangy areo miaraka amin'ny reo rahalahy. Fao mbôla tsy vôgnogno tantairaka ny hoavy izy zao. Na zany aby, hoavy izy koafa mety ny fotoagna.13Mandrasa, mitsangana tsara amin'ny finoagna, miasà karaha lalahy, maheraiza.14 Aoka ho atao am-pitiavagna zay tsabonareo jiaby.15Hainareo ny tamingan'i Stefanasy, fao zareo no niaova fô voalaohany tao Asia, aveo zareo nagnambaila koragnanjareo amin'ny fanompoagna reo mpino. Ary mampirisiky areo zaho, rahalahy, 16mbô hagneky ny ôlogno karaha zany ndraiky amin'ôlogno jiaby zay magnampy amin'ny asa ndraiky miasa miaraka aminay.17Miravo amin'ny fahatongavan'i Stefanasy, Fortinasy, avakeo Akaiosy zaho. Nameno ny tsy naha-te areo zareo. 18Fao namelombelogno ny fahahiky ndraiky nihinareo zareo. Kay noho zany, zahavo ny ôlogno karaha zany.19Reo fiangonan'i Asia dia magnano veloma areo. Akila ndraiky Prisila dia magnano veloma areo ao amin'ny Tompo, miaraka amin'ny fiangonagna zay ao amin'ny pitrahanjareo. 20Ny rahalahy jiaby magano veloma areo. Mifanaova veloma amin'ny hôroko masigny.21Zaho, Paoly, manaoratra tô amin'ny tagnako. 22Raha misy ôlogno tsy tia ny Tompo, enganie mbô ho voahôzogno izy. Ho avy, ny Tompontsika! 23Hoaminareo ny fahasoavan'ny Jesôsy Tompo.24 Ho aminareo jiaby ny fitiavagna ao amin'i Jesôsy Kristy. [Fagnamarihagna: Ny dikan-teny talaoha dia manôsoko: "Amena." Fao ny vava maro hafa, ao agnatin'ny zany ny ULBndraiky ny UDB, dia mangala zany.]
2 Corinthians
Chapter 1
1Paoly, apostoly araikin' i Kristy Jesôsy tamin'ny sitrapôn-jagnahary, ndraiky Timoty rahalahintsika, hoan'ny fiangonan-Jagnahary lehy akao amin'ny Korinto, aveo hoanareo mpino jiaby magneragnany faritra Akaia. 2Hoaminareo koa ny fahasoavagna ndraiky fiadanagna avy amin-jagnahary iadantsika avakeo Tompo Jesôsy Kristy.3Hoderaigny ny Zagnahary ndraiky iadan'ny Tompontsika Jesôsy Kristy. Izy no Iadan' ny famindram-pô jiaby ndraiky Zagnahariny fampiononagna jiaby. 4Zagnahary dia mampionogno atsika amin' ny fahoriagna jiaby, kay mbô ahafahatsika mampionogno zareo zay aka agnatiny fahoriagna. Atsika dia mampionogno zareo hafa karaha ny fampiononagna lehy nampiasan-Jagnahary ampiononagna atsika.5Fao karaha ny hitombaosan'ny fijalian'i Kristy nohon'ny aminay, no hitombaosan' ny fampiononagna zahay koa amin'ny alalan'i Kristy. 6Fao raha nampahoriagna zahay, zany dia ho an'ny fampiononagna aveo famonjiagna areo. Ary raha nampiononogno zahay, zany dia ho an'ny fampiononagna areo. Ny fampiononagna areo dia mahômby koafa manam-paharaitagna hirasa regny fijaliagn zay mitôvy amin'ny fijaliagnay koa. 7Fao ny fahatokisagnanay mahakasiky areo dia azo antoko, satria zahay dia mahay fao areo koa dia mirasa regny fijaliagna, areo koa dia mirasa fampiononagna.8Fao tsy tianay areo tsy hahay, rahalahy, ny aminy regny olagna nahazo zahay tagny Asia. Zahay dia nampitongoasigny raha bahery mavaisatra mihoatra lehy tôkony ho tonganareo, fontry loatra kay toy nagnantaigna ny hiaigny haila eky zahay.9 Taminay tatô ny fagnamelôhagna ho foaty. Fao zany no nahatonga zahay tsy hagnambaila ny tokinay ekeo amin'ny haigninay foagna, fao ndraiky amin-Jagnahary zay mampitsangagna ny maty.10 Nagnavotro zahay tamin'ny loza mahafaty karaha zany Izy, avakeo mbôla hagnavotro ndraiky. Zahay dia magnapetraka ny tokinay taminazy fao mbôla hagnafaka zahay ndraiky Izy.11Izy dia hagnano zany satria areo koa dia magnampy zahay amin'ny alalan'ny vavakareo. Ary maro avy akeo no hagnomia fisaoragna amin'ny agnaragnay noho ny tômbom-pahasoavagna namiagna zahay tamin'ny alalany reo vavaka ny maro.12Zahay dia miraiharaiha amin'izao: fijoroagna tomoa ny amin' ny feon' ny fieritreraitagnagnay. Fao tamin'ny fikasagna madio aveo fahatsoram-pô zay avy amin-Jagnahary lehy nitonga zahay ny haigninay aka amin'izao tontolo izao. Zahay dia nahavita zany jiaby zany ary ny ankamaroany niaraka taminareo—tsy tamin' ny fahindriagnan' izao tontolo izao, fao tamin' ny fahasoavan-Jagnahary. 13Zahay dia tsy nanôratra raha tsy ho voavaky na ho azonareo. Zaho dia magnantaigna fao, 14satria areo nahazo ny mahakasiky zahay ami'ny ampahany, zahay dia ho anton'ny raiharaihanareo amin' ny andron' ny Tompontsika Jesôsy, karaha areo ho antony hiraiharaihanay.15Satria natoky ny mahakasiky zany zaho, dia te ho agny aminareo alaoha, mbô hahafahanareo mahazo tômbony amin' ny fitsidihagna aroa. 16Niomagna ny hitsidika areo koafa tagny amin'ny lalagnanaha ho akagny Makedonia zaho. Ary avakeo dia mbôla nagniry hitsidiky areo ndraiky zaho tamin'ny diako avy tagny Makedonia, avakeo ny mbô hagnatairanareo zaho tagny amin'ny lalako ho agny Jodia akeo.17Koafa nieritreritry tôrotro zany zaho, nisalasala moa zaho? Nagnomagna reo raha reo araka ny nôfo moa zaho, mbô ivolagnako "Eny, eny" ndraiky "Tsia, tsia" amin' ny fotoagna araiky foagna? 18Fao satria Zagnahary dia mahatoky, atsika dia tsy afaka ny hivaolagna na "Eny" na "Tsia."19Fao ny Zana-Jagnahary, Jesôsy Kristy, lehy nitorian' i Sylvanosy, Timoty ary zaho taminareo, dia "Eny" na ''Tsia." Fao Izy dia ninainagna foagna magnanjao "Eny." 20Satria ny fampagnatenagnan-Jagnahary jiaby dia "Eny" aby aka aminazy. Kay amin'ny alalany koa atsika dia hivaolagna magnanjao "Amena" ho agny vogninahitry Zagnahary.21Ary Zagnahary lehy magnamafy zahay aminareo akao amin'i Kristy, aveo Izy no nagniraka atsika. 22Izy dia nagnisy tombokase tamintsika ary antoko zay mbôla hamiany atsika avy afara.23Fao nagnantso Zagnahary zaho, hitsangana atomoanaha zay antony tsy nahaviako tao Korinto mbô hamindrako fô aminareo.24 Izany dia tsy sagnatria noho zahay miaizaka ny mamehy zay tôkony ho finoagnanareo. Fao ndraiky, zahay dia miara-miasa aminareo amin' ny fifaliagnanareo, satria areo mitsangagna akao amn' ny finoagnanareo.
Chapter 2
1Fa nanapakevitry ny tsy hagnatogno areo ndraiky ny vatataignako amin'ny fotoam-pangirifiriagna. 2Raha nitairaka alahelonareo zaho, zôvy no afaka mampiravo zaho ankoatrany lehy araiky zay notaraignako foagna?3Nanaoratra zaho karaha ny natako mbô tsy ho voaratran'ny reo zay tôkony nampifaly zaho koafa tonga tagny aminareo. Zaho dia managna fahatokisagna ny aminareo jiaby fao ny haravoagnako dia haravoagna taokagna aminareo jiaby. 4Fao nanaoratra hoanareo zaho avy amin'ny fahorigna mafy, miaraka amin'ny fangirifiriagnan'ny fô, aveo miaraka amin'ny ranomaso. Tsy te hampalahelo areo zaho. Fao ndraiky, te hagnambara areo ny alalignan'ny fitiavagna zay anagnako hoanareo.5Raha nisy ôlogno nitairaka alahelo, tsy nitairaka zany taminahy foagna izy, fao amin' ny endriky hafa—tsy hagnitaragna loatra zany—aminareo jiaby. 6Ampy ny fagnasaziagna natan'ny maro agnisa io ôlogno io. 7Kay zeo raha tôkony ho fagnasaziagna, areo dia tôkony; hamôtotro heloka ndraiky hampiononagna azy. Atôvo zany mbô tsy handifotra azy amin' ny alahelo mafy loatra.8Noho zany mankahery areo zaho mbô hagnamafy ampahibe-maso ny fitiavagnanareo Azy. 9Izany no antony nanoroatako, amizay mbô mety hitsapako areo aveo ahaizako na mankatô amin'ny raha jiaby areo.10Raha mamaila ôlogno areo, mamaila zany ôlogno zany koa zaho. Zay nambailako—raha namaila ny rah-jiaby zaho—izany famailagna zany dia fitiavagna areo amin' ny fagnatraihan'ny Kristy. 11Zany dia mbô tsy havandian'ny Satana zahay. Satria zahay dia mahay areo drafiny.12Nisaokatra ho aminaha ny tamiagna tamin'ny Tompo koafa homby tagny amin'ny tanambe nihin'ny Troasy nitory ny vavà maharavoravon'i Kristy tagny. 13Na zany aza, tsy nanagna fiadanan-tsaigny zaho, satria tsy nahita ny rahalahiky Titosy tagny. Araka zany, nilahaosako zareo ary nandaiha nimpôdy tagny Makedonia.14Fao fisaoragna hoan-Jagnahary, zay akao amin'i Kristy mitariky zahay mandrakariva akao amin' ny fandrisiagna. Amin'ny alalantsika dia haparitaka na aiza na aiza ny hagnitry mamin'ny fahaizagna azy. 15Fao zahay dia hagnitry mamin'i Kristy nihin-Jagnahary, na teo amin'ny reo zay navaotagna ndraiky tamin'ireo zay hifoaty.16Hoan'ny ôlogno zay ho faty, zany dia hagnitry avy amin'ny fahafataisagna ho amin'ny fahafataisagna. Hoan'ny sasany zay navaotagna, dia hagnitry avy amin'ny fiainagna akao amin' ny fiainagna. Zôvy no mendriky amin'ny reo raha reo? 17Fa zahay dia tsy mitôvy amin'ny reo ôlogno maro zay mivarotro ny tenin-Jagnahary mbô hazahoagna antômbony. Fao ndraiky, amin'ny fahadiovam-pô, no hikoragnanay amin'i Kristy, satria nalaifa avy amin-Jagnahary zahay, akao amin'ny fahitagna Zagnahaary.
Chapter 3
1Hanomboko hidaira-taigna ndraiky moa zahay? Zahay dia tsy mila reo taratasy fagnamarinagna aminareo na avy aminareo, karaha ny ôlogno sasany, sa tsy zany? 2Ny haigninareo no taratasy fagnamarinagnagnay, zay voasaoratra akao am-pôntsika, zay hay aveo vakian'ny ôlogno jiaby. 3Areo dia tsy magnaboaka fao taratasy fagnambaragna avy amin'ny Kristy, zay natolotro atsika. Zany dia tsy voasaoratra tamin'ny rano mahitigny fao tamin'ny Fagnahin'ny lehy Zagnahary velogno. Zany dia tsy voasaoratra teo amin'ny takaila-bato, fao teo amin'ny takailaka ny fôn'ny ôlombelogno.4Ary zany no toky zay anagnantsika akeo agnatraihan-Jagnahary amin'ny alalan'i Kristy. 5Atsika dia tsy mahavita amin'ny haignintsika mbô halaka na ino na ino zay avy amintsika. Fao ndraiky, ny fahefagnantsika dia avy amin-Jagnahary. 6Zagnahary no nitsabo atsika mbô ho mpanompon'ny fagnikiagna vava. Zany dia fagnikiagna tsy avy amin'ny saoratra fao nihin'ny Fagnahy. Fao ny saoratra mamono, aveo ny Fagnahy magnomia aigny.7Ary ny asa zay nitairaka fahafataisagna dia voasaoratra teo ambonin'ny vato—dia tonga tamim-bogninahitry goalahy kay ny vahoakan' Isiraely dia tsy afaka nibanjigny ny tavan'i Mosesy. Zany dia noho ny vogninahitry ny tavany, ny vogninahitry zay nahay potiky. 8Ho vogninatry lehy gaida karaha akôry ny asa zay atan'ny Fagnahy?9Fao raha nanagna vogninahitry ny asan' ny fagnamelaohagna, dia ho karakôry ny fitombaosan' ny vogninahitry ny asan'ny fahamarinagna! 10Satria taigna, zay namaizagna vogninahitry indraiky faogna dia tsy hanam-boninahitra eky aminjany fomba zany, noho ny vogninahitry zay mampitômbo zany. 11Fao raha zay nandalo foagna no nanagna vogninahitry, dia tsy hanagna vogninahitry mihoatra noho zany moa zay mahadigny!12Satria managna toky karaha zany atsika, dia taigna mahasaky.13Atsika dia tsy karaha Mosesy, zay nanafoto ny haigniny tamin'ny voaly, mbô tsy hahafahan'ny vahoakan'ny Israely mizaha azy mivantagna amin'ny vogninahitry zay nandalo fogna.14Fao ny saigninjareo dia donto. Na dia zeo zany voaly zany dia mbôla mijanogno akeo amin'ny famakiagna ny fagnikiagna talaoha. Tsy misaokatra zany, satria akao amin' ny Kristy faogna zany no alagna. 15Nefa na dia aminjeo aza, na afiriagna na afiriagna no vakigny ny lalàgnan' i Mosesy, dia mamôgno ny fônjareo ny voaly.16Nefa raha mitodiky amin'ny Tompo ny ôlogno, dia elagna ny voaly.17Avakeo Tompo dia Fagnahy. Zay misy ny Fagnahin'ny Tompo, dia misy fahafahagna. 18Ary atsika jiaby, tsy misarom-boaly, dia mahita ny vogninahitry ny Tompo. Atsika dia efa vava ho akao amin'ny vogninahitra taokagna amin'ny vogninahitry, zay avy amin'ny Tompo, zay tsy zôvy fao ny Fagnahy.
Chapter 4
1Noho zany, zatria zahay managna zany asa fanompoagna zany, aveo voh nahazo famindram-pô, dia kivy zahay. 2Fao ndraiky, tsy nikehinay regny fomba mahamegnatra ndraiky mivôny. Tsy miaigny amin'ny vandy zahay, aveo mampiasa marigny ne tenin-Jagnahary. Amin'ny fagnaboahagna ny marigny, zahay dia mandidy ny haigninay ny amin'ny feon'ny fieritreretan'ny ôlogno mbô ho ndesigny imason-Jagnahary.3Fao raha voasaoratra ny vava maharavoravonay, zany dia ho voasarogno aminareo zay maty taokagna faogna. 4Amin'ny toe-draha miboaka aminjareo, ny zagnahariny zao tontolo zao naha gila zany saigny tsy mino njareo. Vokatra zany, tsy afaka mahita fahazavagnan'ny vava maharavoravon'ny vogninahitr'i Kristy zareo, zay bikan-Jagnahary.5Fao zahay tsy magnambara ny haigninay, fao i Kristy Jesosy taokagna ny Tompo, aveo ny haigninay tôrotro ny mpanomponjareo nohon'ny amin'i Jesôsy. 6Fao Zagnahary dia lehy araiky zay nivaolagna nagnanjao: "Ny fahazavagna hangilatra akao amin'ny hizigny." Izy nangilatra tao am-pônay, mbô hagnomia ny fahazavagnan'ny fahalalagna ny vogninahitry Zagnahary ekeo amin'ny fagnatrehan'i Jesôsy Kristy.7Fao zahay managna zany hariagna zany akao agnatiny tavoara tanimanga, mbô hazava fao ny angôvo gaida mihoatra lavitry dia nihin-Jagnahary fao tsy nihinay. 8Ampijalegny amin'ny fomba jiaby zahay fao tsy resy. Very hevitry zahay fao tsy feno famoizam-pô. 9Enjehigny zahay fao tsy nilahaosagna. Vinogny zahay fao tsy ravagna. 10Mitonga ako amin' ny haigninay ny fahafatesagnan'i Jesôsy faogna zahay, aminjany ny fahignan'i Jesôsy faogna koa dia hiboaka ekeo amin' ny haigniany.11Zahay zay velogno dia minday hatragny ao amin'ny vatagnay ny fahafataisan'i Jesôsy, aimiza ny vatagnay ôlombelogno. 12Noho zany ny fahafataisagna dia miasa akao amintsika, fao ny fiainagna miasa akao aminareo.13Fao zahay managna fagnahin'ny finoagna taokagna araka zay voasaoratra magnanjao: 14"Nino zaho, aveo nivaolagna zaho." Mino foagna koa zahay, avakeo dia nivaolagna faogna koa zahay. Hainay fao lehy araiky zay nanangagna ny Tompo Jesôsy dia hanangagna atsika faogna koa miaraka amin'ny Jesôsy. Hainay fao hinday zahay miaraka aminareo akao amin'ny fagnatraihany Izy. 15Ny raha jiaby dia hoanareo mbô, araka ny fahasoavagna voapiriaka tamin'ny ôlogno maro, no hitombaosan'ny fagnomaizam-pisaoragna akao amin'ny vogninahitry Zagnahary.16Noho zany dia tsy ho kivy zahay. Na dia malemy ambailany aby zahay, dia havaozigny isan'andro ny akao agnatiny. 17Fao amizao andro mandalo zao, ny fahoriagna mahivagna dia magnomagna zahay ho amin'ny lanjan'ny vogninahitra maharitry bariky dintany zay mihoatra ny fandanjagna jiaby. 18Fao atsika tsy mizaha raha zay hita, fao reo raha tsy hita. Reo raha zay mety hitantsika dia tsy mahadigny haila, fao reo raha zay tsy hita dia mahadigny bariky dintany.
Chapter 5
1Haintsika fao raha ravagna ny toby aketo an-tany zay ibidohantsika, dia managna tragno avy amin-Jagnahary atsika.2 Zany dia tragno tsy nitsabon'ny tagnagn'ôlombelogno, fao tragno bariky dintany, akagny andagnitry. Fao aketo amin'ny tô tragno-lay tô atsika no misento, magniry mafy ny hisikigny ny tobintsika akagny an-dagnitry.3Magniry mafy zany atsika satria amin'ny fitsaboantsika zany dia tsy ho hita tsy misikgny antsika.4Fao raha mbôla aketo amin'ny tô tragno-lay tô faogna atsika, dia misento, mavaisatr'aintagna. Tsy te hiboridana atsika. Fao ndraiky, te hisikigny atsika, mbô ho atelin'ny fiainagna zay mety maty. 5Lehy araiky zay nagnomagna atsika ho aminjany raha zany foagna dia Zagnahary, zay nagnomia atsika ny Fagnahy ho fagnambaragna zay ho avy.6Noho zany dia matokia faogna. Tongava saigny fao koafa aka an-tragno amin'ny vatagna atsika, dia lavitry ny Tompo. 7Fao mandaiha amin'ny finoagna atsika, fao tsy amin'ny fahitagna. 8Noho zany dia managna fahatokisagna atsika. Alentsika lavitry ny vatagna fao akao an-tragno miaraka amin'ny Tompo.9Kay atantsika tanjogno zany, na agny an-tragno atsika na lavitry zany, mbô hafitsaratsara Azy. 10Fao atsika jiaby dia tsy maintsy hiboaka ekeo alaohan'ny dabilio fitsaran'i Kristy, mbô mety hazahoan'ny tsiaraikiraiky zay mifagnaraka amin'ny reo raha haifa tao amin'ny vatagna, na ho amin'ny tsara na ho amin'ny ratsy.11Noho zany, ny fahaizagna ny hamboriagna ny Tompo, no handrisiantsika lahatra ny ôlogno. Ny maha atsika atsika dia hitan-Jagnahary mazava. Antenaiky fao mazava amin'ny feon'ny fieritreraitagnareo faogna koa zany. 12Tsy miezaka ny handresy lahatra areo ndraika zahay mbô hizaha zahay karaha ny mahitsy fô. Fao ndraiky, magnomia antony hoanareo hireharaihanareo nohon'ny aminay zahay, mbô hanagnanareo valin-teny ho an'ny reo zay miraiharaiha ny amin'ny bika ambailany fao tsy ny amin'izay akao am-pô.13Fao raha very saigny zahay, dia ho nihin-Jagnahary zany; aveo raha tonga saigny tsara zahay, dia ho anareo zany. 14Fao ny fitiavan'i Kristy no manery zahay, satria hazonay antoko zao: nisy ôlogno araiky maty ho an'ny ôlogno jiaby, aveo noho zany dia maty jiaby. 15Maty Izy ho an'ny ôlogno, mbô tsy ho velogno ho an'ny haigninjazareo eky reo zay velogno fao ho Azy zay maty avakeo natsangagna nohon'ny fitiavagna zareo.16Noho zany antony zany, manomboka zao dia tsy mitsara na zôvy na zôvy araka ny fomban'ny ôlombelogno atsika, na dia afa nizaha i Kristy taokagna zany aby atsika talaoha. Fao zeo atsika tsy mitsara na zôvy na zôvy karaha zany eky. 17Noho zany, raha misy ôlogno akao amin'i Kristy, ôlom-bava izy. Efa lôlosogno reo raha talaoha. Tô, afa nanjary vava zareo.18Reo raha jiaby reo dia avy amin-Jagnahary. Nampihavanigny tamin'ny Haigniny tamin'ny alalan'i Kristy atsika, aveo namaizany atsika ny asa fanompoagnan'ny fampihavanagna. 19Zany hoe, akao amin'i Kristy Zagnahary no mampihavagna zao tontolo zao amin'ny Haigniny, tsy magnisaka fahadisognanjareo aminjareo. Nankigniny taminay ny hafatry ny fampihavanagna.20Koa voatendry ho mpisolo haignin'i Kristy zahay, karaha ny hoe amin'ny alalagnay no hagnavaotan-Jagnahary ny fagnantsaovany. Miangavigny areo zahay, noho i Kristy: "Mihavàgna amin-Jagnahary!" 21Natany tonga sôrogno ho an'ny fahotagnantsika Kristy. Izy lehy Araiky zay tsy nanota lasite. Natany zany mbô ho tonga fahamarignan-Jagnahary akao Aminazy atsika.Chapter 6
1Mira-miasa aminazy, zahay faogna koa dia mampirisiky areo tsy halaka fahasoavan-jagnahary fahotany. 2Fao ny nivaolagna izy nagnanjao: "Tamin'ny fotoagna mety dia nitandregny areo Zaho, ary tamin'ny andron'ny famonjiagna dia nagnampy areo Zaho. Zahavo, amizeo no fotoagna mety. Zahavo, amizeo no andron'ny famonjiagna. 3Tsy magnapaitraka vato fagnafintohinagna akeo agnatraihan-jôvy na zôvy zahay, fao tsy magniry ny haharatsy laza ny asa fanompoagnanay.4Fao ndraiky, zahay dia magnaporofo ny haigninay amin'ny asanay jiaby, fao mpanompon-Jagnahary zahay. Zahay no mpanompony amin'ny fiaraitagna mafy, fahoriagna, fahasoavagna, 5reo poko, fagnagadragna, fikomiagna, amin'ny asa mafy, amin'ny reo aligny tsisy torimaso, amin'ny tihinagna, 6amin'ny fahadiovagna, fahaizagna, faharaitagna, fahatsoram-pô, amin'ny Fagnahy Masina, amin'ny taigna fitiavagna. 7Zahay no mpanompony akao amin'ny vaolagna Zagnahary. Zahay dia managna ny fiaraovan'ny fahamarinagna hoan'ny tagnagna ankahery ndraiky ny ankavia.8Zahay dia miasa amin'ny vogninahitry ndraiky amin'ny fahafam-baraka, amin'ny fagnaratsiagna ndraiky ny fideragna. Zahay dia vombara ho mpavandy kanaifa zahay marigny. 9Zahay miasa karaha regny tsisy mahay regny kanaifa zahay mbôla miferignagny. Miasa karaha ho faty zahay—zahavo—mbôla miaigny zahay. Miasa zahay karaha sazigny nohon'ny asanay naifa tsy karaha voaheloko ho faty. 10Zahay miasa karaha ny malahelo, kanaifa dia miravo lalandava. Zahay dia miasa karaha ny mijaly, kanaifa mampanan-kariagna ôlogno maro zahay. Miasa karaha ny tsy managna na ino na ino zahay kanaifa karaha ny managna raha jiaby.11Zahay nivaolagna ny marigny jiaby taminareo, Korintiana, aveo fônay misaokatra midagnadagna. 12Ny fônareo tsy nifihezinay, fao areo no namehy reo fihitseham-pônareo manaokagna. 13Ary ho valiny ara-drariny—mivaolagna aminareo karaha ny amin'ny zaza zaho—sokoafo hidagnadagna ny fônareo.14Aza mifagneky amin'ny reo tsy mpino. Fao ino no iraisan'ny fahamarinagna ndraiky ny fandikan-dalàgna? Fao na ino no iarahan' ny mazava amin'ny mahizigny? 15Ino no mety ho fifagnarahagna akeo amin'i Kristy ndraiky Beliala? Na ino no tôkony anjara anagnan'ny mpino araiky ndraiky amin'ny tsy mpino araiky? 16Avakeo na ino no fifagnarahagna misy akeo amin'ny tempolin-Jagnhaary ndraiky ny sampy? Fao atsika dia tempolin-Jagnahary velogno, araka ny afa nambaran-Jagnahary magnanjao: "Hibidôko akeo aminjareo Zaho aveo handaiha akeo aminjareo. Zaho dia ho Zagnaharinjareo avakeo zareo dia ho ôlognoanaha."17Noho zany, "Miboaha ialao akeo aminjareo, avakeo mitokana," hoizy ny Tompo. "Aza mikasiky raha maloto, avakeo Izaho halaka areo. 18Izaho dia ho Iadanareo, ary areo ho zanako lahy ndraiky ho zanako vaiavy," hoizy Tompo Tsitaohagna.
Chapter 7
1Reo no tiako, letry nanagnantsika reo vaolagna fikasagna dia aoka atsika hagnadio ny haignintsika amin'ny raha jiaby zay mahatonga fahalotoagna akeo amin'ny vatagna ndraiky fagnahintsika. Aoka atsika hitady fahamasinagna amin'ny fahatahoragna Zagnahary.2Alaivo zahay! Fao tsy nagnano ratsy taminjôvy na zôvy. Tsy nandratra na nagnararaotra na zôvy na zôvy zahay. 3Tsy hagnameloko areo no hivolagnako zao. Fao afa nambarako fao akato ampônay areo, fao maira-maty aveo miara-belogno atsika. 4Managna fahatokisagna mafy areo zaho, ary miraiharaiha nohon'ny aminareo. Feno fampionagna zaho. Midobodoboko ny haravoako na dia akeo aza ny fampahoriagna jiaby.5Koafa homby tagny Makedonia zahay, tsy hanam-pitapairagna ny haigninay. Noho zany, nijaly tamin'ny fomba jiaby zahay nohon'ny tsy fifankazahoagna tagny ambailany, ndraiky ny hamboriagna akao agnaty. 6Fao Zagnahary, zay mpampahery ny kivy, nampahery zahay tamin'ny faviagnan'ny Titosy. 7Tsy tamin'ny alalan'ny faviagnany foagna no hampaherezan-Jagnahary atsika. Fao tamin'ny fampaherezagna zay nalain'i Titosy avy aminareo. Mivaolagna atsika izy ny amin'ny habaizan'ny fitiavanareo, ny alahelonareo, avakeo ny fisalasalagnanareo zaho laligny. Kay hifaly bariky dintany zaho.8Na dia nampalahelo areo aza ny taratasinaha, tsy nampanegnigny zaho zany. Fao nanegnigny taminjany zaho koafa nahita fao nampalahelo areo taratasinaha. Fao nalahelo tagnatiny foatoagna fohy areo. 9Zeo ravo zaho, tsy hoe satria nijaly areo, fao satria ny alahelonareo no ninday areo ho amin'ny fibebahagna. Areo niaigny ny fahoriagna akao amin-Jagnahary, koa tsisy very ny nijalianareo hoanay. 10Ny fahoriagna akao amin-Jagnahary dia minday amin'ny fibebahagna ny mbô hahatô ny famonjiagna tsisy fanignainagna. Na zany ndraiky, ny alahelon'izao tontolo zao, dia minday fahafataisagna.11Zahavo ny vokatrin'ny hagidasan'ny fiezahagnanjareo tamin'ny fahoriagna akao amin-Jagnahary. Gaida tatô be ny hagidasan'ny fiezahagna tao aminareo mbô hagnaprofoagna fao tsy manan-tsigny areo. Gaida tatô be hagidasan'ny havigniragnareo, ny hamboriagnanareo, ny alahelonareo, ny zôtom-pônareo, aveo ny fagniriagnanareo ahita ny fahamarinagna zay tôkony tsabogny! Amin'ny raha jiaby dia nagnaprofo tamin'ny haigninareo areo mbô tsy ho meloka amizany raharah zany. 12Na dia nanaoratra taminareo fogna zaho, zaho dia tsy nanaoratra hoan'ny reo mpagnano ratsy, na ho an'ny araiky zay mahadigny ratsy. Nanaoratra zaho mbô tôkony hagnambaragna ny fahavilagnanareo akeo aminah teo agnatraihan-Jagnahary.13Tamin'ny alalan'ny zany no nampaheraizagna zahay. Mihoatra nohon'ny fampaheraizagna zay afa anagnanay, nihoa-papagna ny haravoany nohon'ny haravoan'i Titosy, satriany fagnahinazy dia atomoa noho ny aminareo jiaby. 14Raha aohatra, niraiharaiha taminy ny mahakasiky areo zaho, dia tsy afa-baraka zaho. Mifanohitry amizany, reo raha jiaby zay nivolagninay taminareo dia marigny jiaby, ny firaiharaihagnanay mahakasiky areo tamin'i Titosy dia voaporofo fao marigny.15Ny fitiavany areo dia gaida tatô be, karaha ny nahatsaraovany ny fankatoavanareo jiaby, zahavo ny fangalanareo azy tamin'ny hamboriagna avakeo ndraiky fangovitagna. 16Ravo zaho satria managna fahatokiagna tatô be taminareo.
Chapter 8
1Tianay ho hainareo, rahalahy, ny momban'ny fahasoavan-Jagnahary zay namiagna tao amin'ny reo fiangonan'i Mekedonia.2Nandritran'ny fitsapagna goalahy amin'ny fahoriagna, ny godofoko ny haravoagna ndraiky ny fara-fahantragna-jareo dia nitairaka hariagna gaidan'ny falalan-tagnagna.3Satria mitsangagna antomoa zaho fao nagnano fôntry arak'izay vitagny zareo, avakeo mihoatra zay vitany aby. Ary tamin'ny sitrapôn-jareo zeraiky 4ndraiky niaraka tamin'ny fitalaohagna mafy no nangatahinjareo taminay ny fahafahagna mbô hanagna anjara amin'ny tô asa fanompoagna akeo amin'ny reo mpino tô. 5Tsy niboaka araka zay nantenainay zany. Fao ndraiky, nanôlotro ny haigniny mialaoha tamin-Jagnahary zareo. Aveo nanolo-taigna hoanay zareo tamin'ny sitrapôn-Jagnahary.6Kay nampirisiky Titosy zahay, zay afa nanomboko an'ny zany asa zany, mbô hagnatantairaka ny fahasoavagna aminareo. 7Fao areo ndraiky dia manankariagna amin'ny raha jiaby, amin'ny finoagna, amin'ny vaolagna, amin'ny fahalalagna, amin'ny fitiavanareo zahay. Koa ataôvy azo antoko mbô hanankariagna amin'ny zany asa fahasovagna areo. [NY ULB sy ny UDB, miaraka amin'ny reo dikan-teny maro hafa, dia mivaky hotara zao: "Ao amin'ny fitiavanao zahay." Ny dikan-teny hafa dia mivaky hotra zao: "Ary ao amin'ny fitiavanay areo"]8Tsy mivaolagna zany hotra didy zaho. Fao ndraiky, mivaolagna zany zaho amin'ny fitsapagna ny fahamarinan'ny fitiavanareo amin'ny fampitoviagna zany amin'ny zotompôn'ny ôlogno hafa.9 Satria hainareo ny fahatsaran'ny Tompontsika Jesôsy Kristy. Kay na nanankariagna aza izy, dia niova mijaly noho areo, koa amin'ny alalan'ny fijaliagna no mety ahazoanareo hariagna.10Amin'ny zany koragna zany dia hagnamia torohevitry areo zaho zay hagnampy areo. Herintagno lôso zay, dia tsy nanomboko nagnano raha faogna areo, fao nagniry ny magnano zany.11 Avaizo vitao zany, hotra ny nisian'ny zotom-pô ndraiky ny fagniriagna hagnano zany, dia enganie hagnatantairaka zany koa areo, arak' zay azonareo tsabogny. 12Satria raha magniry mafy ny hagnano zany asa zany areo, dia raha tsara sady azo kehigny zany. Tsy maintsy mifôtotro amin' zay hanagnan'ôlogno araiky zany, fao tsy zay tsy anagnanay.13Fao zany asa zany dia tsy mbô hagnamaivagna ny hafa aveo hagnavaisatra areo. Fao ndraiky, tôkony hoisy ny rariny.14 Ny hariagnanareo amin'ny zao fotoagna zao dia hagnamia zay ilain-jareo. Kay zany koa dia mbô hagnomaizagna hariagnan'ny reo zay ilainareo. Ary mbô agnomiazan-jareo ny rariny 15Araka zay afa voasaoratra magnanjao: "Lehy araiky zay nanagna fôntry dia tsy nanagna lambiny, aveo lehy araiky zay nanagna hely dia tsy nanagna ny tsy ampy.16Fao nihin'ny Zagnahary ny fisaoragna, zay namaitraka ny tao am-pôn'i Titosy ny fahamatoragna zay anagnako aminareo.17 Fao izy tsy nagneky faogna ny antsovintsika, fao taigna matotro ny amin'ny zany faogna koa. Nagnatogno anao tamin'ny sitrapôny manaokagna izy.18Nalaifanay izy niaraka tamin'ny lehy rahalahy zay nideraigny teo agnivon'ny finoagna jiaby noho ny sasany zay mitory ny vava mahafaly.19 Tsy zany faogna, fao izy faogna koa dia nitendren'ny reo fiangonagna mbô handaiha hiaraka aminay hitondra zao asan'ny fahalalan-tagnagna zao. Zany dia nihin'ny vogninahitr'izy Tompo aveo hoan'ny fagnirianay hagnampy.20Mitandrigny zahay ny amin'ny mety hisian'ny ôlogno mitaraigny mombanay mahakasiky io asa fahalalan-tagnagna zay hatanay io.21 Kay mila mitandrigny zahay mbô hagnano ny mendrika, fao tsy eo agnatraihan'ny Tompo zeraiky faogna, fao eo alaohan'ny ôlogno koa.22Mandaifa rahalahy araiky hafa koa zahay miaraka amin-jareo. Mazagna zahay no nitsapa azy, avakeo nahita azy mafana fô tamin'ny asa maro. Taigna mazôto izy zao noho lehy fahatokisagna gaida zay anagnanay aminareo. 23Raha ny amin'i Titosy, izy no namako sady mpiramiasa aminaha ho areo. Raha ny amin'ny rahalahinay, dia nalaifan'ny reo fiangonagna zareo. Vogninahitry hoan'i Kristy zareo. 24Koa aboaho zareo ny fitiavanareo, aveo aboaho amin'ny fiangonagna ny anton'ny firaiharaihanay momba areo.Chapter 9
1Mikasiky ny asa fanompoagna hoan'ny mpino, tsy taigna ilaiky ny manaoratra aminareo. 2Haiky ny mahakasiky ny fagnirianareo, zay iraiharaihako amin'ny ôlon'i Makedonia. Nambarako zareo fao Akaia dia afa vôgnogno nanomboko tamin'ny tagno lôsogno. Ny zôtom-pônareo no nanosiky ny ankamaroanareo hiasa.3Avakeo nirahiky ny rahalahy mbô tsy ho zava-poagna ny firaiharaihantsika momba areo, ary mbô ho vôgnogno areo, araka ny afa nikoragniky areo.4 Raha tsy zany, raha misy Mekedonia maro miaraka aminaha aveo mahita areo mbôla tsy vôgnogno, dia ho maingatra atsika tsy mivaolagna na ino na ino momba areo zaho noho ny fahatokiagna areo. 5Kay mieritreritry zaho fao ilaigny ny mampirisiky reo rahalahy handaiha aminao avakeo hagnano fifagnarahagna mialaoha ny amin'ny fagnomaizagna afa nampagnantenainao. Zany dia ahafahagna mivôgnogno hotra ny fitahiagna, fao tsy hotra ny raha tsy azo kehigny.6Ny taigna izy dia tô: Ny araiky zay mamafy hely dia hahazo hely faogna koa, aveo ny araiky zay mamafy amin'ny tanjom-pitahiagna dia hahazo fitahiagna faogna koa. 7Ambilao ny tsiaraikiaraiky hagnamia hotra zay afa norafetiny tao am-pôny. Aza ambaila magnamia fahoriagna na fagniritiriagna izy. Fao ny mpagnamia am-piravoagna no tian-Jagnahary.8Aveo Zagnahary dia afaka mampitômbo ny fitahiagna ho aminao, mbô, amin'ny raha jiaby, dia afaka hahazo zay ilainareo jiaby lalandava areo. Zany no misy dia mbô ahafahanareo mampitômbo ny asa tsara areo. 9Zany dia araka ny voasaoratra magnanjao: "Nizaraigny reo hariagnanazy aveo namiagna zareo ho nihin'ny mijaly. Mahadigny bariky dintany ny fahamarignany."10Izy zay mamatsy voa hoan'ny mpamboly zay mamafy ndraiky ny môfo amin'ny hanigny, dia hamatsy aveo hampitômbo ny voanao faogna koa ho amin'ny famafazagna. Hampitômbo ny vokatry ny fahamarignagnao izy. 11Hahazo hariagna amin'ny fomba jiaby anao mbô hahatonga anao ho malalatagnagna. Zany dia hitondra fanehoam-pisaoragna Zagnahary amin'ny alalanay.12Ny fagnatantirahagna io asa fanompoagna io dia tsy vitan'ny hoe mahafeno ny raha ilain'ny mpino faogna. Misôsoko faogna koa zany amin'ny asa fagnomiazam-pisaoragna Zagnahary maro. 13Fao noho ny fitsapagna areo zay voaprofo amin'io asa io, dia hagnamia vogninahitry Zagnahary koa areo amin'ny fankatoavagna ny fibabohanareo amin'ny vava maharavon'i Kristy. Dia hagnamia vogninahitry Zagnahary koa areo amin'ny fahalalahan-tagnagnanareo amin'ny fagnomaizagna aminjareo ndraiky ny ôlogno jiaby. 14Magniry anao zareo, aveo mivavaka anao zareo. Magnano zany zareo noho ny hagidazan'ny fahatsaragnan-Jagnahary ao aminao. 15Ho nihin'ny Zagnahary ny saotra noho ny fagnomaizany tsy hay koragnigny!
Chapter 10
1Zaho, Paoly, miangavy areo ny vatataignako, amin'ny fanitriantaigna ndraiky hamoram-pagnahin'i Kristy. Malemy fagnahy zaho koafa akeo amin'ny fagnatraihanareo, naifa mahasaky ny aminareo zaho, koafa tsy akeo. 2Mangataka aminareo zaho, koafa miaraka aminareo zaho, tsy mila mahasaky amin'ny fahatokisan-taigna. Naifa zaho mieritreritry fao mila mahasaky manohitry reo zay mihevitry fao atsika dia miaigny araka ny nôfo.3Fao na zany ndraiky dia mandaiha araka ny nôfo zahay, tsy miady araka ny nôfo.4 Fao ny fiadiagna zay iadivanay dia tsy ara-nôfo. Noho zany, managna ngôvo avy agny an-dangitry reo mbô hamotaihagna ny fagnahy ratsy. Fao tsy mitondra na ino na ino ny hevi-pitaka njareo.5Hoaratintsika faogna koa reo raha hambo zay managna fagnorainagna ny fahaizagna Zagnahary. Fao mihevitry ny hagnandevo ny tsiaraikiaraiky amin'ny fankatoavagna Kristy atsika. 6Aveo miomagna amin'ny famaizagna ny fihetsika tsy fankatoavagna jiaby atsika, vatany vao tantairaka ny fankatoavanareo.7Zahavo mazava zay anoloanareo. Fao na zôvy na zôvy resy lahatra fao izy no Kristy, aoka hampatsiaro ny haigniny izy fao izy taignany dia Kristy, dia hotra zany koa atsika. 8Eny fao na dia miraiharaiha hely aby zaho mahakasikin'ny fahefanay, zay namian'ny Tompo anay mbô hananganagna aveo tsy handratra areo, tsy ho maingatra zaho.9Tsy tiako zany ny hampihôrohôro areo amin'ny alalan'ny taratasinaha.10 Fao ny ôlogno sasany nivaolagna nagnanajao: "Matotro sady mahery ny taratasy, naifa malemy ara-batagna izy. Tsy magnaiva tandrignaisagna ny vaolagna nazy."11Aoka ny ôlogno hotra regny ahay fao reo vaolagna ao amin'ny taratasinay tamin'ny fotoagna tsy nahateo zahay dia magnaboaka ny asa tôkony hitsabonay koafa tonga akagny zahay. 12Tsy mandaiha lavitry zahay na mampitôvy ny haigninay amin'ny reo zay midoka-taigna. Fao raha mandrefy ny haigniny amin'ny hafa zareo aveo mampitôvy ny haigniny amin'ny hafa, dia tsy ho malina.13Atsika, na zany aby, tsy hiraiharaiha mihoatra ny tôkony ho izy. Fao ndraiky, tsabonay faogna zany zay misy faitrany araka ny nanindrin-Jagnahary zahay, faitra zay mahakasiky areo.14 Fao tsy mitandrigny ny haigninay zahay koafa tonga tegny aminareo. Zahay no tonga voalaohany hatragny aminareo niaraka tamin'ny vava maharavon'i Kristy.15Tsy niraiharaiha mihoatra ny faitra zahay ny mahakasikin'ny asan'ny sasany. Naifa ndraiky, antenainay fao hisôsoko ny finoagnanareo amin'ny asa gaida mandigny ny tsiaraikiaraiky, ary samy amin'ny faitrany aby. 16Fao zao no antenainay, mbô ahafahanay mitory ny vava maharavo na dia akagny amin'ny toairagna lavitry areo aby. Tsy hiraiharaiha mahakasikin'ny asa afa vita tagny amin'ny faritry hafa atsika.17"Naifa aoka ny araiky zay miraiharaiha, hiraiharaiha ao amin'ny Tompo."18 Fao tsy lehy araiky zay manôlotro ny haigniny no ankatoavigny. Naifa ndraiky, aoka lehy araiky zay natôlotry ny Tompo.
Chapter 11
1Magniry zaho mbô ahafahanareo mamaila zaho hagnano fahadalagna hely sasany. Fao taigna mamaila zaho tatobe areo! 2Fao saro-piaro ny mahakasiky areo zaho. Managna fahasarotam-piaro araka Zagnahary aminareo zaho, rango nagnamaizako toky areo tao amin'ny fanambadiagna hoan'ny vady araiky faogna. Nagnamia toky zaho ny hanôlotro areo hotra ny virijiny madio hoan'i Kristy.3Fao ambory zaho tsaha be, hotra ny namitahan'ny menarana Eva tamin'ny alalan'ny hafitsiagnany, ny eritreritriareo dia mety hiala amin'ny fanoloran-taigna amin-kitsim-pô sady madio amin'i Kristy. 4Fao eritrereto hoe misy ôlogno araiky havy hitory Jesôsy hafa noho lehy araiky torintsika. Na eritrereto hoe malaka Fagnahy hafa zay raisinareo areo. Na eritrereto hoe malaka vava maharavo hafa noho lehy araiky zay niraisinareo areo. Mamela regny raha regny tsara faogn areo!5Satria mieritreritry zaho fao tsy farany ambany noho reo koragnigny fa hoe apostoly ambony. 6Fao na dia tsy nizaragna nandahi-teny aza zaho, dia nizaragna tamin'ny fahaizagna. Tamin'ny fomba jiaby ndraiky tamin'ny reo raha jiaby dia natanay ho hainareo zany.7Moa nanota moa zaho tamin'ny fanetren-taignako mbô hisondrotanareo? Fao nitory ny vava maharavon-Jagnahary maimaimpoagna hoanareo zaho. 8Nandratra reo fiangonagna hafa zaho tamin'ny alalan'ny fagnikiagna fanohanagna avy amin-jareo mbô ahafahako manompo areo.9 Koafa niaraka taminareo zaho sady nila fagnampiagna, dia tsy nagnavaisatra na zôvy na zôvy. Fao reo raha nilaiko dia namian-jareo mpirahalahy zay tonga avy agny Mekedonia. Tamin'ny raha jiaby dia nitandrigny ny haigninaha tsy ho ainta-mavaisatra aminareo zaho, avakeo hanôhy hagnano zany.10Raha akato aminaha ny fahamarignan'i Kristy, dia tsy hagnigny zany firaiharaihako zany akagny amin'ny faritri Akaia. 11Nagnino? Satria tsy tiako moa areo? Zagnahary mahafantatra.12Aveo ny raha tsaboky dia mbôla ho tsaboky faogna, mbô mety ahafahako mangala ny fitaraignagna nohon'ny fagnakianagna zaho ndraiky ny fitarainagna noho reo zay tian-jareo hiraiharaiha—fao zareo dia hita magnano asa mitôvy amin'ny zay tsabonay. 13Fao ny ôlogno hotra zany dia apostoly sandoko ndraiky mpiasa mavandy. Zareo dia magnano sarintsarin'ny haigniny hotra ny apostolin'i Kristy.14Ary zany dia tsy mahagaga, fao na ny satana aby magnaboaka ny haigniny hotra ny anjelin'ny fahazavagna.15 Tsy mahagaga eky raha magnaboaka ny haignin'ny zareo hotra ny mpanompon'ny fahamarignagna reo mpanompony. Ny anjaran-jareo dia zay magnaiva ny asan-jareo.16Volagniky indraiky magnanjao: "Aza ambaila hisy hieritreritry hoe laifaka zaho. Fao raha magnano zany areo, dia raiso hotra ny laifaka zaho kay mbô hiraiharaiha hely. 17Zay koragniky mahakasiky tô fahatokiagna miraiharaiha tô dia tsy araka ny volagnin'ny Tompo, fao mivaolagna hotra ny laifaka zaho. 18Fao afa fôntry ny ôlogno miraiharaiha araka ny nôfo, dia hiraiharaiha faogna koa zaho.19Nagneky an-karavoagna reo laifaka areo. Dia hoe misy fagnahy ny haigninareo! 20Fao mandefitry amin'ny ôlogno areo raha magnandevo areo, mandany areo, magnararaotra areo, malaka ny haigniny ho ambony noho areo, na raha mamely taifamaso areo izy. 21Ho volagniky amin'ny fahafaham-barakanay fao mamely loatra zahay tamin'ny fanaovagna zany. Raha misy miraiharaiha—dia mivaolagna hotra ny laifaka zaho—Zaho faogna koa dia hiraiharaiha.22Hebreo moa zareo? Zaho faogna koa. Israelita moa zareo? Zaho faogna koa. Tamingan'i Abrahama moa zareo? Zaho faogna koa. 23Mpanompon'i Kristy moa zareo? (Mikoragna hotra ny ôlogno very saigny zaho.) Mihoatra noho zany zaho. Mbôla niasa mafy nihotra noho zany aby zaho, tagny angadra mazagna, tamin'ny poko mihoatra ny fepaitra, tamin'ny fiatraihagna loza fôntry mahafaty.24Avy amin'ny alalan-jareo Jiosy no nandraisako "poko aifa-pôlo latsaka araiky" indimy. 25Intelo zaho no nipipohigny tamin'ny kakazo. Indraiky zaho no nitopiam-bato. Intelo zaho no vaky sambo. Nandany haligny araiky ndraiky andro araiky tegny andranomasigny zaho. 26Nandaiha mazagna zaho, tamin'ny lozan'ny daroba, tamin'ny lozan'ny reo mpandroba, tamin'ny lozan'ny ôlogno manaokagna, tamin'ny lozan'reo Jentilisa, tamin'ny loza tagny amin'ny tanàgna, tamin'ny loza tagny antanimaty, tamin'ny loza tagny an-dranomasigny, tamin'ny loza avy amin'ny reo rahalahy sandoko.27Afa tamin'ny asa mafy ndraiky raha sarotro zaho, tamin'ny aligny tsisy tôromaso, tamin'ny tihinagna ndraiky tihigiaka, tamin'ny fifadiankanigny mazagna, tamin'ny nintsy ndraiky fitanjahagna. 28Ankoatry ny raha hafa, misy tsindry isan'andro aminaha nohon'ny fagnahinaha amin'ny fiangonagna jiaby. 29Zôvy no mamely, kay tsy mamely zaho? Zôvy no magnafintohigny, kay tsy mirehitry zaho?30Raha tsy maintsy miraiharaiha zaho, dia hiraiharaiha mahakasiky zay maneho reo fahalemiako.31 Lehy Zagnahary ndraiky Iadan'i Tompo Jesôsy, lehy raiky zay deraigny bariky dintany, dia mahay fao tsy mavandy zaho!32Tagny Damaskosy, ny governora ambanin'i Areta mpanjaka dia niambigny ny tanagnan'i Damaskosy mbô hanambotro zaho. 33Fao nampirôrogno tamin'ny harogno teo amin'ny tamian-kely araiky teo amin'ny rimba zaho, kay nilaifa tagnany.
Chapter 12
1Zaho tsy maintsy miraiharaiha, fao tsisy na ino na ino azo avy amin'ny zany. Fao zaho dia hanôhy ny amin'ny reo fahitagna ndraiky reo fagnambaragna avy amin'ny Tompo. 2Mahay lalahy ao amin'i Kristy zaho zay aifatra ambiny fôlo tagno lôsogno zay—na ao amin'ny haigny na ambailany haigny, zaho tsy mahay, Zagnahary mahay—nalaigny nakatra tagny amin'ny langitry fahatelo.3Ary haiky fao io lalahy io—na ao amin'ny haigny na ambailan'ny haigny, zaho tsy mahay, Zagnahary mahay— 4dia nalaigny nakatra tao amin'ny paradisa aveo naharegny raha zay taigna masigny loatra amin'ny ôlogno ny hivaolagna azy. 5Amin'ny agnaran'ny ôlogno hotra zany dia hiraiharaiha zaho. Fao amin'ny agnaran'ny haigninaha dia tsy hiraiharaiha zaho, afa tsy ny mahakasiky reo fahalimiako.6Raha ti-hiraiharaiha zaho, tsy ho laifaka zaho, fao ti-hivaolagna ny marigny. Fao hifehy aigny amin'ny firaiharaihagna zaho, mbô tsi hoisy na zôvy na zôvy hihevitry zaho ho ambony noho zay hita aminaha na reo avy aminaha. 7Hefehy aigny amin'ny firaiharaihagna faogna koa zaho noho reo karazagna fagnambaragna miavaka reo. Noho zany, mbô tsy ho feno firaiharaihagna Zaho, dia nasiagna fatsiky ny nofotro, ny mpitondra hafatr'i Satana hagnakorontagna zaho, mbô tsy hiraiharaiha loatra zaho.8Intelo zaho no nitalaho tamin'ny Tompo ny mahakasiky zany, biaka hangalany zany aminaha. 9Fao hozizy taminaha nagnanjao: "Ampy hoanao ny fahasoavako, fao ny angôvo natao ho lafatra ao amin'ny fahalemiagna.'' Aleky miraiharaiha taigna maro amin'ny fahalimaizako biaka hidaohan'ny ngôvon'i Kristy akato aminaha. 10Noho zany tsara noho i Kristy ao amin'ny fahalimiagna, amin'ny fanaivaitavaitagna, amin'ny korontagna, amin'ny fagninjaihagna, aveo ao amin'ny foton-tsarotro zaho. Fao na afriagna na afriagna malemy zaho, dia matanjaka.11Zaho dia nanjary laifaka! Areo no nanery zaho amin'ny zany, fao zaho dia tôkony niderainareo. Fao zaho tsy ambany noho reo zay antsôvigny hoe apostoly ambony reo lasite, na dia tsinotsinona aby zaho. 12Reo famantaragna marigny mahakasiky Apostoly dia nitantirahigny teo aminareo tamin'ny faharaitagna tantairaka, famantaragna ndraiky fahagagagna ary asa mafy.13Fao nagnino areo tsy dia manan-danja noho reo fiangonagna sasany, ankoatran'ny tsy maha vaisatra zaho hoanareo? Mamelào zaho noho zany fahadisoagna zany!14Tô! Vôgnogno ho tonga fagnintelony akagny aminareo zaho. Tsy ho vaisatra hoanareo zaho, fao zaho dia tsy mila zay nihinareo. Areo no ilaiko. Fao tsy zanaka no tôkony hihary hoanareo ray aman-dreny. Fao ndraiky, reo ray aman-dreny no tôkony hihary hoanareo zanaka.15Zaho dia ho ravo taintairaka handany ndraiky ho lanigny hoan'ny fagnahinareo. Raha taigna mankatia areo zaho, dia hitiavigny hely moa zaho?16Fao na dia hotra zany aby, tsy nagnavaisatra areo zaho. Fao satria zaho taigna fetsifetsy, dia zaho lehy araiky nahazo areo tamin'ny vandy.17Moa nagnararaotra areo tamin'ny alalan'ny ôlogno zay nalaifako taminareo zaho? 18Nagniraka malaky Titosy hoagny aminareo zaho, aveo nalaifako niaraka taminazy reo rahalahy sasany. Moa nagnararaotra areo i Titosy? Moa tsy miray lalagna atsika? Moa tsy dia raiky atsika?19Moa mieritreritry areo fao nandritra zany fotoagna jiaby zany dia niaro haigninay taminareo zahay? Eo agnatraihan-Jagnahary, no ivolagnanay tao amin'i Kristy ny raha jiaby mbô ho fankahiraizagna areo.20Fao ambory zaho tsaha koafa havy zaho dia tsy hahita areo hotra ny fagnantenako. Ambory zaho tsaha tsy ho hitanareo araka ny fagnantenagnanareo. Ambory zaho fao tsaha hoisy fifamaloagna, fialaognagna, firihaitan'ny havigniragna, fikasagna amin'ny fitiavan-taigna, fifosagna, fiheboheboagna, aveo fikorontagnagna. 21Ambory zaho tsaha koafa mimpôdy, dia hanetry zaha eo agnatraihanareo Zagnaharinaha. Ambory zaho tsaha halahelo ny amin'ny reo maro zay nanota talaoha, kay mbôla tsy nibaibaka tamin'ny fahalotoagna ndraiky ny fijangajangagna avakeo ny fijejojejoagna feno fagnirin-dratsy zay nitsabonjareo.
Chapter 13
1Fagnintelony zao no nadalaovako atoy aminareo. "Ny fiampangagna jiaby dia tsy maintsy miorigny amin'ny profo amin'ny antomoa aroa na telo."2Afa nivaolagna tamin'ny reo zay nanota akao talaoha ndraiky tamin'ny reo lambiny jiaby koafa teo fagnindroany, aveo volagniky indraiky zany: "Koafa tonga indraiky zoho, dia tsy hiantra zareo zaho."3Mivaolagna areo zany zaho satria areo dia mitady profo fao Kristy dia mivaolagna amin'ny alalako. Tsy marefo aminareo Izy. Fao ndraiky, mahery ao aminareo Izy. 4 Fao Izy nifantsaihagna amin'ny fahalemiagna, naifa velogno tamin'ny angôvon-Jagnahary. Fao atsika ndraiky dia marefo akao aminazy, kanaifa atsika miara-miaigny amin'ny angôvon-Jagnahary akeo agnivonareo.5Diniho ny haigninareo raha tianareo ho hita fao akao amin'ny finoagna areo. Tsapay ny haigninareo. Tsy mbôla hazonareo an-tsaigny moa zany mahakasiky ny amin'ny haigninareo fao Jesôsy Kristy dia ao aminareo? Raha aohatra areo kay tsy nahômby tamin'ny fitsapagna. 6Aveo zaho mahatoky fao areo dia hitrôtro fao atsika dia nahômby amin'ny zany fitsapagna zany.7Zeo atsika dia mivavaka amin-Jagnahary fao tsy afaka ny hitsabo raha ratsy areo. Zaho tsy mivavaka ny afaka ahitagna fao atsika dia nahômby amin'ny fitsapagna. Fao ndraiky, dia nivavaka ny mbô ahafahanareo magnano zay mety kanaifa atsika dia mety ho hita karaha ny tsy nahômby tamin'ny fitsapagana.8Fao atsika dia tsy afaka ny hitsabo raha manohitry amin'ny fahamarignagna, fao hoan'ny fahamarignagna zeraiky faogna.9Fao atsika dia miravo koafa marefo aveo mafy areo. Fao atsika faogna koa mivavaka mbô ho atantsika feno areo. 10Manaoratra reto raha reto zaho raha magnalavitry areo zaho, kay koafa miaraka aminareo zaho tsy voatery minday areo an-kavigniragna amin'ny fampiasagna ny fahefagnako—zay namaizan'ny Tompo zaho, mbô ananganako areo, avakeo tsy handratra areo.11Farany, rahalahy, miravoa! Miasà hoamin'ny fampodianagna amin'ny naniny, maheraiza, mifagnikaiha ny tsiaraikiaraiky, mivilaoma am-piadanagna, aveo ny Zagnahary ny fitiavagna ndraiky ny fiadanagna dia hiaraka aminareo. 12Mifampiarahabào areo amin'ny fagnoraohagna Masigny.13Reo mpino jiaby dia mitsabo veloma areo. [Fagnamarihagna: Reo dikan-teny sasany dia magnaharo ny andininy faha 13 amin'ny andininy 12 aveo magnano ny andininy faha 14 hoandininy faha 13.] 14Enga anie fitiavan'ny Tompo Jesosy Kristy, ny fitiavan-Jagnahary, ndraiky ny fiarahagna amin'ny Fagnahy Masigny hoaminareo jiaby.Hebrews
Chapter 1
1Talaoha aila be Zagnahary dia nivaolagna tamin'ny razambentsika tamin'ny alalany reo mpagnazary tamin'ny fotoagna maro ndraiky tamin'ny fomba maro. 2Fao aminy zao andro farany zao, dia nivaolagna tamintsika tamin'ny alalan'ny Zanaka lahy Izy, zay nirahigny ho mpandaova ny raha jiaby. Tamin'ny alalany faogna koa no nagnamboaran'ny Zagnahary izao tontolo zao. 3Izy no famirapitan'ny vogninahitry Zagnahary, lehy taigna bikany. Na ny raha jiaby aby dia tanany hiaraka amin'ny alalan'ny ngôvony haigniny. Tafaran'ny nagnadiovany reo fahotagna, dia nipaitraka teo ambonin'ny tagnagna ankaheriny Lehibe agny amin'ny ambony izy.4Lôso ambony karaha reo anjely Izy, satria ny agnaragna nanakalavaigny dia tsara lavitry noho ny agnaragna njareo.5 Fao zôvy tamin'ny reo anjely no mbô nivolagnan-jagnahary magnanjao: Zanako anao, tonga iadanao Zaho niany" Aveo indray magnanjao: "Ho iada aminazy Zaho, avakeo ho zanaka hoanaha''?6Aveo koa, koafa nitondra ny lahimatoa teto amin'ny zao tontolo zao Zagnahary, dia nivaolagna Izy nagnanjao: "Reo anjelin-Jagnahary jiaby dia tsy maintsy midaira Azy."7 Mahakasiky reo anjely dia niavaolagna Izy magnanjao: "Izy lehy araiky nagnano reo anjely ho fagnahy, avakeo reo mpanompony nataony laila-môtro."8Fao mahakasiky Zanaka dia nivaolagna Izy nagnanjao: Ny dabilio fiandriagnanao, Zagnahary, dia bariky tintany aveo ho doria. Ny tongôzon'ny fanjakanao dia tongôzony fitsaragna.9 Nitia ny fahamarignagna anao aveo nalaigny fandikiavan-dàlagna. Noho zany Zagnahary, dia nagnôsotro anao tamin'ny mainaka ny haravoagna mihoatra noho reo mpiara-dia aminao."10"Tagny amboalaohany, Tompo, Anao no namôrogno fôtotro tany. Reo langitry dia asan'ny tagnagnao. 11Ho levogno zareo, fao Anao hanôhy. Ho triaka hotra ny tapa-damba zareo. 12Hamoritry zareo hotra ny fitafiagna anao, avake ho voagna karaha tapa-damba zareo. Fao anao dia hotra zany, aveo tagnonao, dia tsy hanam-pahatapairagna."13Fao zôvy taminy reo anjely no nivolagnan-Jagnahary tamin'ny fotoagna jiaby magnanjao: "Midaoha eo amin'ny tagnan-kahery naha papiky agnanaovako reo fahavalonao ho dabiliontongotroa?14 Moa reo anjely jiaby tsy fagnahy manompo, ndraiky nalaifa hamalavala reo zay handova ny famonjiagna?
Chapter 2
1Noho zany atsika dia tsy maintsy mitandrigny taigna mafy amin'ny zay regnintsika, mbô tsy hagnara-drenirano amin'ny zany atsika.2Fao raha marigny ny hafatra zay nikoragnigny tamin'ny alalan'ny reo anjely, aveo ny fandikan-dalagna jiaby ndraiky ny tsy fankatoavagna dia mangala sazy ara-drariny, 3dia akôry ary no hafahantsika milaifa raha tsy miraharaha zany famonjiagna goalahy loatra zany atsika? Io no famonjiagna zay nambarany Tompo voalaohany ndraiky namafisin-jareo zay naharegny zany tamintsika.4 Tamin'io fotoagna io faogna Zagnahary dia nagnaprofo zany tamin'ny famantaragna, fahagagagna, aveo asa mafy isankarazany, avakeo tamin'ny fizaragna reo fagnomaizam-pahasoavan'ny Fagnahy Masigny araka ny sitrapôny.5Fao tsy tamin'ny anjely no nampagnikaihany Zagnahary izao tontolo zao hoavy, momba zay koragnintsika. 6Fao ndraiky, nisy ôlogno nitsangagna ho antimoan'ny zany tagny hoagny, magnanjao: "Ino ny ôlogno, no mandiniky azy anao? Na ny zanak'ôlogno, no mikarakara azy anao?7Anao nagnano ôlogno ambany hely noho reo anjely; nisatrohanao satro-bogninahitry tamin'ny vogninahitry ndraiky daira izy. [Fagnamarihagna: Ny dikan-teny sasany talaoha dia magnampy: "Ary anao nagnapaitraka azy ambonimbonin'ny reo asan'ny tagnagnao.''] 8Ny raha jiaby nampagnikaihinao eo ambanin'ny hongony." Fao hoazy no nampagnikaihan-Jagnahhary raha jiaby. Tsy nagnambaila na ino na ino izy kay tsy nampagnikaihany azy. Fao zeo atsika tsy mbôla mahita raha nampagnikaihagna azy.9Fao atsika mahita lehy araiky zay nitsabony ambany noho reo anjely nandritrany fotoagna fohy: Jesôsy, zay, nohon'ny fijaliany ndraiky ny fahafataisany, dia nisatrôhagna satrobogninahitry tamin'ny vogninahitry ndraiky daira. Kay zeo tamin'ny alalan'ny fahatsaran-Jagnahary, no nagnandramany fahafataisagna hoan'ôlogno jiaby. 10Fao mety amin-jagnahary zany, satria raha jiaby dia misy ho Azy avakeo amin'ny alalany, mbô hitondra zanaka maro hoagny amin'ny vogninahitry. Mety aminazy ny hahatonga mpitariky ny famonjiagna zareo ho feno amin'ny alalan'ny fijaliagna.11Fao na ny ôlogno zay magnamasisgny na reo zay voamasigny dia managna laoharano araiky. Noho zany dia tsy maingatra magnantso reo hoe rahilahy Izy. 12Nivaolagna Izy magnanjao: "Hagnambara ny agnaragnao amin'ny reo rahilahiko Zaho, hihira mahakasiky anao avy ao agnatin'ny fivondronagna Zaho."13Avake koa, "Hatoky azy zaho." Ary koa: "Tô, aketo zaho ndraiky reo zanaka zay namianjagnahary zaho.'' 14Noho zany, satria nôfo aman-drà reo zanaka Zagnahary, dia nirasa raha karaha zany niaraka tamin-jareo faogna Jesôsy, mbô hoamin'ny alalan'ny fahafataisagna no hagnafoagnany ny araiky zay managna ny ngôvon'ny fahafataisagna, dia ny devoly zany. 15Zany dia mbô hahafahany reo jiaby zay nohon'ny tahotro ny fahafataisagna dia niaigny fiaignan'izy jiaby reo tao amin'ny fagnandevozagna.16Fao mazava hoazy fao tsy reo anjely no vonjegny; fao naifa, ny taranak'i Abrahama. 17Noho zany dia magnaiva Azy ny atao hotra reo rahilahiny amin'ny fomba jiaby, mbô ho mpisoronabe feno famindram-pô ndraiky fahatokisagna Izy amin'ny fifandraisagna amin'ny reo rahan-Jagnahary, aveo mbô hitondra momban'ny fambilagna reo fahotagnan'ôlogno. 18Satria Jesôsy lasite no nijaly ndraiky nalaigny fagnahy, dia afaka magnampy reo zay alaim-pagnahy Izy.Chapter 3
1Noho zany, rahalahy masigny, nandrasa ny antson'ny langitry areo. Diniho ny momban'i Jesôsy, ny apostoly ndraiky mpisoronabe zay kehintsika. 2Izy dia nahatoky Zagnahary, zay nagniraka Azy, hotra Mosesy zay nahatoky tao antragnon-Jagnahary faogna koa. 3Fao Jesôsy afa niraisigny magnaiva ny voagninahitry lehibe noho Mosesy, satria zay magnorigny tragno no taigna manan-kaja ohoarigny amin'ny lehy tragno. 4Fao ny tragno jiaby zay nahorigny dia nisy ôlogno nagnorigny, fao ny araiky zay nagnorigny raha jiaby dia Zagnahary.5Amin'ny lafiny araiky, Mosesy dia natokisagna karaha mpanompo tao atn-tragnon-Jagnahary araiky manontolo. Izy no antomoa mahakasiky reo raha zay tôkony afa nikoragnigny amin'ny hoavy. 6Fao Kristy no Zanaka bariky dintany ny tragnon-Jagnahary. Atsika no tragnony raha aohatra kay mitagna mafy ny angôvom-pô ndraiky ny fahatokisantsika atsika.7Noho zany, zany dia hotran'ny koragnin'ny Fagnahy Masigny magnanjao: ''Amizeo, raha mitandregny feonazy areo 8dia aza magnamafy fônareo hotra ny tamin'ny fikomiagna, tamin'ny fotoagnan'ny fitsapagna agny antany maty.9Karaha zany ny razambenareo koafa nikomy tamin'ny alalan'ny fitsapagna Zaho, ary koafa, nandritry ny aifapôlo taogno, dia hitan-jareo ny asanaha. 10Noho zany dia tsy ravoravo Zaho amin'io taminga io. 11Hoizy izy Zaho: 'Zareo dia voatariky lalandava akagny amin'ny lalan-diso ao am-pônazy. Tsy nahay lalagnanaha zareo. Hotra zany no nifantako tamin'ny fahavignirako nagnanjao: 'Tsy hiditry ao amin'ny fitsaharako velively zareo."'12Mitandraima, rahalahy, biaka tsy hoisy na araiky aminareo aza hanagna fô ratsin'ny tsy finoagna, fao zay miala amin-Jagnahary velogno. 13Fao ndraiky, mifampahereza isan'andro, raha mbôla misy ny antsôvigny hoe: "Niany," mbô tsy hoisy aminareo ho mafy fô amin'ny alalan'ny vandy ny fahotagna.14Fao atsika dia tonga mpiara-miasa amin'i Kristy raha aohatra kay mitagna mafy ny fahatokisantsika Azy hatragny amboalaohany kay zisiky amin'ny fiafaragna: 15Fao ny mahakasiky zany dia afa nivolagniky nagnanjao: "Zeo, Raha mitanregny feonazy areo, dia aza magnamafy ny fonareo hotra ny amin'ny fikomiagna."16Zôvy zay afa naharegny Zagnahary kay nikomy? Fao tsy reo jiaby zay niboaka avy tagny Egypta tamin'ny alalan'i Mosesy moa zany?17 Zôvy no nahavingitry azy nandritra ny aifa-pôlo tagno? Tsy reo zay nanota moa, zay lavo tagny antanaty maty ny fatin-jareo?18 Ho nihinjôvy no nifantany fao tsy hiditry ao amni'ny fitsaharagna zareo, raha tsy hoanjareo zay tsy nankatô Azy? 19Hitantsika fao tsy afaka niditry tao amin'ny fitsaharany zareo nohon'ny tsy finoagna.
Chapter 4
1Noho zany, aoka hitandrigny tsara atsika mbô tsy hoisy aminareo tsy afaka hahatakatra ny vaolagna fampanantenagna nambaila hoanareo mbô hidiranareo ao amin'ny fitsaharan-Jagahary. 2Fao atsika dia nagnambaragna vava maharavo hotra zareo reo. Fao zany hafatra zany dia tsisy tagnambo amin-jareo zay tsy nipaitaka tao amin'ny finoaga niaraka taminy reo zay nankatô . ('Fagnamarihagna: ny dikan-teny sasany dia mivaky hotra zao: "Fao zany hafatra zany dia tsisy tômbony hoanareo zay nitandregny azy tamin'ny tsy finoagna.")3Fao atsika zay nino dia reo zay hiditry amin'ny zany fitsaharagna zany, araka zay afa nikoragnigny nagnanjao: "Tôrotro ny nifantako tamin'ny havingiragnako, dia tsy hiditry velively amin'ny fitsaharako zareo." Fao na zany koa aby, ny asa famoraonagna dia vita tamin'ny fagnoraignagna izao tontolo zao. 4Fao izy nivaolagna tagny hoagny mahakasiky ny andro faha fito magnanjao: "Zagnahary nijanogno tamin'ny andro fahafito tamin'ny asa jiaby." 5Aveo mbôla nivaolaga ndraiky izy: ''Zareo dia tsy hiditry velively ao amin'ny fitsaharako."6Noho zany, satria mbôla voataokagna hoany sasany ny fidiragna ao amin'ny fitsaharagna nazy, avakeo satria maro reo Israelita naharegny vava maharavo tsy niditry tao nohon'ny tsy fagnikaihagna,7dia nagnambaila andro araiky idraiky nantsôvigny hoe: "Niany" Zagnahary. Tafarany andro maro, dia nikoragna tamin'ny alalan'ny Davidy Izy, karaha zay nivolagniny talaoha magnanjao: "Niany raha mitandregny feonazy areo, dia aza magnamafy fônareo."8Fao raha Josoa no magnamia fitsaharagna zareo, dia tsy nikoragna mahakasiky ny andro araiky hafa Zagnahary. 9Noho zany dia mbôla misy Sabata fitsaharagna voataokagna hoany vahoakan-Jagnahary. 10Fao zay miditry ao amin'ny fitsaharan-Jagnahary dia nijanogno tamin'ny asany faogna koa, hotra ny natan-Jagnahary taminazy. 11Noho zany aoka atsika hazôto hiditry amin'ny zany fitsaharagna zany, biaka tsy hoisy na araiky aby ho tafilatsaka amin'ny karazagna tsy fagnikaihagna zay natanjareo.12Fao ny vaolagna Zagnahary dia velogno aveo mandaitry aveo marangitry noho ny meso aroa lailany. Zany dia manindrogno hatramin'ny fagnasarahagna ny aigny amin'ny fagnahy, ndraiky ny tognogno amin'ny tsoka lasite. Kay afaka fantarigny menimeny ny fô ndraiky reo fikasagnany.13 Tsisy famoraonagna nivôny teo agnatraihan-Jagnahary. Fao naifa, ny raha jiaby dia mibaribary ndraiky misaokatra eo imason'ny lehy araiky zay tsy maintsy hagnaboahantsika.14Noho zany, satria atsika dia managna mpisoronabe goalahy zay lôsogno namaky langitry, Jesôsy zanaka Zagnahary, dia nandaiha atsika hipaitaka mafy amin'ny finoagnantsika.15 Fao atsika dia tsy managna mpisoronabe zay tsy mahatsapa fangorahagna amin'ny fahalimiagnantsika.16 Fao naifa, atsika dia managna ôlogno araiky zay afa nalaim-pagnahy tamin'ny fomba jiaby hotra atsika, naifa Izy tsisy ota. Aoka atsika andaiha amin'ny fahatokisagna hoagny amin'ny dabilio fiandrianan'ny fahasoavagna, mbô handraisantsika famindram-pô ndraiky hahita fahasoavagna hagnampy amin'ny fotoagna ilagna zany.Chapter 5
1Fao ny mpisoronabe jiaby, voafidy avy tamin'ny ôlogno, dia nitindregny mbô hiasa amin'ny agnaran'ny ôlogno amin'ny reo raha mahakasiky Zagnahary, kay mbô hanolorany fagnomaizagna ndraiky fagnatitry hoan'ny ota. 2Izy dia afaka mifagnaraka mora amin'ny tsy mahay ndraiky ny maniasia satria izy haigniny faogna koa dia voadidin'ny fahalemiagna.3 Noho zany, izy faogna koa dia nitakiagna hanôlotro sôrogno hoan'ny reo otany manaokagna, karaha ny natany hoan'ny reo otan'ny ôlogno.4Tsy hoan'ny haigniny no handraisan'ôlogno zany vogninahitry zany. Fao naifa, izy dia nantsôvin-Jagnahary, karaha Arona. 5Dia hotra zany, Kristy tsy mbô nagnamia haja ny haigniny lasite tamin'ny fagnanaovagna ny haigniny ho mpisorognobe. Fao naifa, lehy araiky zay nivaolagna taminazy nivaolagna nagnanjao: "Zanako Anao; niany dia tonga Iadanao Zaho."6Karaha zany faogna koa no nivolagnany tagny amin'ny toeragna hafa: "Anao dia mpisôrogno bariky dintany araka ny fomban'i Melkizedeka."7Nandritran'ny reo andron'ny nôfony, Kristy nanôlotro vavaka ndraiky fangatahagna niaraka tamin'ny haiky mafy ndraiky ranomaso amin'ny Zagnahary, lehy araiky zay afaka magnavotro Azy amin'ny fahafataisagna. Regny Izy nohon'ny fangorahany.8 Na dia zanaka aby Izy, dia nianatra fankatoavagna tamin'ny reo raha zay niaraitany.9Natao ho tonga lafatra Izy kay tonga, hoan'ny ôlogno jiaby zay magneky Azy, lehy laoharanon'ny famonjiagna bariky dintany. 10Dia nitindren-Jagnahary hotra ny mpisoronabe Izy araka ny fomban'i Melkizedeka. 11Managna raha volagnigny maro mahakasiky Jesôsy zahay, fao sarotro ny magnazava zany hatramin'ny nahalalindalaovana ny fandrignaisanareo.12Fao amin'ny zao fotoagna zao dia tôkony ho mpampianatra areo, areo dia mbôla mila ôlogno hampianatra areo reo fitsipiky fôtotry ny hafatra Zagnahary. Ronono no ilainareo, fao tsy ventinkanigny!13 Fao ny ôlogno zay migiaka ronono faogna dia tsy ampy traikaifa amin'ny hafatry ny fahamarignagna, satria izy dia mbôla zaza madiniky.14 Fao ny ventinkanigny dia hoan-jareo gaida. Reo dia zay voahaofagna tamin'ny fagnavahagna ny tsara amin'ny ratsy ny fahatakarany nohon'ny fahamatoran-jareo.Chapter 6
1Noho zany, andaiha havailantsika ny fiantomboahan'ny hafatr'i Kristy kay hagnatogno amin'ny fahamatoragna. Andaiha atsika tsy hagnambaila indraiky ny fôtotro ny fibaibahagna nohon'ny asan'ny maty ndraiky ny finoagna Zagnahary, 2na ny fôtotry ny fampianaragna mahakasiky batisa, ny famitrahan-tagnagna, ny fitsanganan'ny reo ôlogno maty, avakeo ny fitsaragna bariky dintany. 3Hagnano zany faogna koa atsika raha ambailan-Jagnahary.4Fao tsy hay tsabogny hoan-jareo zay afa nazavaigny indrai-mandaiha zany, zay nagnandragna fagnimaizagna avy agny an-dangitry, zay nalaka Fagnahy Masigny, 5avakeo zay nagnandragna ny vaolagna tsaran-Jagnahary ndraiky reo ngôvony vanim-potoagna hoavy, 6naifa aveo dia lavo—tsy hay atao ny magnam-pôdy zareo amin'ny fibaibahagna indraiky. Zany dia satria nomboan-jareo hoan'ny haignin-jareo indraiky ny zanaka Zagnahary, avakeo nalaigny baraka ampahibemaso.7Fao ny tany zay misy mahalegny mazagna avy amin'ny zany, ndraiky zay mamokatra reo raha maniry ilain-jareo ôlogno zay niasagna ny tany—io no tany zay mangala fitahiagna avy amin-Jagnahary. 8Fao raha mamokatra fatsiky zany, dia tsisy ilavagna azy avakeo afa marikitry ny fagnozaonagna. Ny fiafarany zany dia amin'ny firehaitagna.9Fao zahay dia resy lahatra ny amin'reo raha taigna tsara mahakasiky areo, ô tiagna, raha zay mahakasiky famonjiagna, na dia mivaolagna hotra zany aby zahay.10 Fao Zagnahary dia tsy mbô tsy marigny kay hagnadigno ny asanareo ndraiky ny fitiavagna zay naboakanareo nohon'ny agnarany, satria areo dia nanompo reo mpino avakeo mbôla manompo zareo faogna.11Magniry mafy zahay mbô hagnaboaka fahazotoagna hotra zany hatramin'ny farany ny tsiaraikiaraiky aminareo hoan'ny antoky ny fahatokiagna feno.12 Zany dia mbô tsy ho lôso kamo areo, fao ho mpangalatahaka reo zay mandova reo fampagnantenagna amin'ny finoagna ndraiky faharaitagna.13Fao tamin-Jagnahary nagnano ny fampagnantenany tamin'ny Abrahama, dia nifanta tamin'ny Haigniny Izy, koafa tsy afaka nifanta tamin'ny ôlogno taigna gaida.14 Nivaolagna Izy nagnanjao: "Zaho dia taigna hitahy anao, avakeo taigna hampamaro anao."15 Tamin'ny zany fomba zany, dia nahazo zay nampagnantenany tafaran'ny nandigniasany tamim-paharaitagna Abrahama.16Fao ny ôlogno dia mifanta amin'ny ôlogno zay taigna gaida noho ny haignin-jareo. Isaka tapitry ny fifamaliagnan-jareo,dia misy voady araiky tsabogny ho fagnamasinagna. 17Koafa nanapa-kevitry ny hagnaboaka taigna mazava tamin'ny reo mpandaovan'ny fampanantenagna ny tsy fiovoan'ny lanjan'ny tanjony Zagnahary, dia namiany antoko tamin'ny voady zany. 18Natany zany biaka ho amin'ny alalan'ny raha tsy azo soafagna aroa—zay tsy hain-Jagnahary ny mavandy amin'ny zany—dia hanagna fampaheraizagna mantanjaka mbô hitanagna mafy ny fahatokiagna zay nambaila teo agnatraihantsika, atsika, zay nilaifa mbô hanagna fialofagna.19Managna zany toky zany atsika ho aroa ndraiky vatofantsiky azo hiankinagna hoan'ny fagnahintsika, fahatokiagna zay miditry ao amin'ny fitoeragna agnatiny ao ambadiky ny lamba. 20Jesôsy niditry tao amin'ny zany fitoeragna zany hotra ny mpialaoha lalagna hoantsika, kay tonga mpisoronabe bariky dintany magnaraka ny fomban'i Melkizedeka.Chapter 7
1Melkiezedeka zany, mpanjakan'ny Salema, mpisôrognon-Jagnahary Taigna Agnambo, zay fanôjy tamin'i Abrahama koafa nimpôdy avy nandresy reo mpanjaka avakeo nitahy azy. 2Izy no namian'i Abrahama ny ampahafôlon'ny raha jiaby. Ny agnarany hoe: "Melkiezedeka" dia midika hoe: "mpanjakan'ny fahamarinagna." Ny agnarany hafa dia "mpanjakan'i Salema," zany dia: "mpanjakan'ny fiadanagna." 3Izy dia tsy managna iada, tsy managna niny, tsy mangna razam-be, aveo tsy managna fahatapairan'ny fiainagna. Fao naifa, mitôvy amin'ny Zanaka Zagnahary izy, satria mipaitraka ho mpisôrogno bariky dintany.4Zahavo ny hagidasan'ny io lalahy io. Ny razambentsika Abrahama dia nagnamia ampahafôlony reo raha zay azony tamin'ny ady. 5Amin'ny lafiny araiky, reo zanaka lahin'i Levy zay mandray ny fisorognagna dia managna beko avy amin'ny lalàgna mbô hamôry ny ampahafôlon-kariagna avy agny amin'ny reo ôlogno, zany dia avy amin'ny reo rahilahin-jareo, na zany aby zareo, faoagna koa, dia avy amin'ny vatan'i Abrahama. 6Fao amin'ny lafiny araiky, Melkizedeka, zay tsy voasaoritra avy amin-jareo ny taranany, dia nalaka ampahafôlon-kariagna avy amin'i Abrahama, avakeo nagnamia tso-drano azy, lehy araiky zay nanagna reo fampanantenagna.7Tsisy fandavagna fao ny ôlogno taigna ambany dia amian'ny ôlogno taigna ambony tso-drano. 8Amin'ny zany tranga zany, ny ôlogno mety maty dia malaka ampahafôlon-kariagna, fao amin'ny tô tranga tô dia voaprofo fao mbôla velogno izy. 9Avake, amin'ny fomba fikoragnagna, levy, zay nalaka am-pahafôlon-kariagna, dia nagnaifa am-pahafôlonkariagna tamin'ny alalan'ny Abrahama faogna koa, 10satria levy dia tao agnatiny haignindrazambeny koafa nitandregny tamin'i Abrahama i Melkizedeka.11Avaizo raha azo atao amin'nny alalan'ny fisoraognagna levitika ny fahatantirahagna (fao tao ambanin'ny zany ny ôlogno no nangala ny lalàgna), dia filàgna taigna goalahy ino no mety hisy hoan'ny mpisôrogno hafa mbô hitsanganagna araka ny fomban'i Melkizedeka, avakeo tsy rariny araka ny fomban'i Araona?12 Fao koafa nivoagna ny fisoraognagna, dia tsy maintsy hovoagna faogna koa ny lalàgna.13Fao lehy araiky zay nivaolagna mahakasiky reo raha reo dia nihin'ny foko hafa, zay tsisy ôlogno manompo eo amin'ny alitara lasiteo.14 Fao mazava amizeo, fao avy amin'i Joda no nahatirahan'ny Tompontsika, foko tsy nikoragni'i Mosesy lasite ny mahakasiky reo mpisôrogno.15Zay koragnintsika dia afa taigna mazava raha misy mpisôrogno hafa mitsangagna amin'ny bikan'i Melikizedeka.16 Tsy avy tamin'ny fôtotry ny lalàgnan'ny taminga ny nôfo no nahatonga azy ho mpisôrogno, fao naifa avy tamin'ny fôtotry ny ngôvony fiainagna tsy mety levogno.17 Fao ny Saoratra Masigny dia mitsangagna antomoa mahakasiky azy magnanjao: "Anao dia mpisôrogno bariky dintany araka ny fomban'i Melkizedeka.18Fao nisy fagnafoagnagna ny didy teo alaoha satria nalemy ndraiky tsisy dikany zany.19 Fao tsisy raha natan'ny lalàgna tonga lafatra. Kanaifa, misy fampidiragna fahatokiagna taigna tsara hoan'ny hoavy zay hagnataognantsika Zagnahary.20Tsy niboaka zany raha tsisy ny fandraisagna fiainagna. Amin'ny lafiny araiky, reo hafa reo dia tonga mpisôrogno tsy nila fiainagna. 21Fao amin'ny lafiny araiky hafa, tô araiky tô, Jesôsy, dia tonga mpisôrogno tamin'ny alalan'ny fianianagna natan'ny lehy nivaolagna taminazy nagnanjao: "Ny Tompo dia nifanta aveo tsy hiaova amin'ny heviny hoe: "Anao dia mpisôrogno bariky dintany."'22Tamin'ny alalan'ny zany faogna koa no nagnamia antoko ny fagnikaiham-piavanagna taigna tsara. 23Amin'ny lafiny araiky, maro no tonga mpisôrogno satria ny fahafataisagna no manakagna zareo hanôhy. 24Amin'ny lafiny araiky hafa, satria Jesôsy mibidô bariky dintany, dia managna fisorognagna bariky dintany izy.25Noho zany izy faogna dia afaka magnavotro tantairaka reo zay magnatogno Zagnahary amin'ny alalany, satria izy dia miaigny foagna mbô hagnailagnailagna hoazy reo.26 Fao ny mpisoronabe hotra zany dia mety hoantsika. Izy dia tsy manam-pahotagna, tsy managna tsigny, madio, nisarahigny tamin'ny reo mpanota, aveo tonga ambony noho reo langitry.27Tsy mila izy, tsy hotra reo mpisoronabe, nanôlotro sôrogno isan'andro, ny voalaohany hoan'ny reo fahotagnany manaokagna, avakeo hoan'ny reo fahotagnan'ôlogno. Afa nitsabo zany indray mandaiha hoany jiaby izy, koafa nanôlotro ny haigniny.28 Fao ny lalàgna manôndro ny ôlogno zay managna fahalimiagna ho mpisorognobe. Fao ny vaolagnan'ny fianianagna, zay tonga tafaran'ny lalàgna, dia nanendry Zanaka lalahy, zay natao tonga lafatra bariky dintany.
Chapter 8
1Ary ny fôtotro ny raha jiaby volagninay dia zao: Atsika dia managna mpisôrogno be zay nipaitraka teo an-tagnank'ankaherin'ny dabilio fiandriagnan'ny lehy be vogninahitry agny andangitry. 2Izy dia mpanompo ao amin'ny toairagna masigny, lehy taberinakely marigny zay ny Tompo, fao tsy ny ôlogno, na nagnorigny azy.3Fao ny mpisorognobe dia nitindregny hanôlotro fagnomaizagna ndraiky sôrogno. Noho zany dia ilaigny ny managna raha ho atôlotro.4 Ary raha teto an-tany Kristy, dia tsy ho mpisôrogno aby Izy, satria misy reo zay manôlotro fagnomaizagna araka ny lalàgna.5 Izy reo dia manompo ao amin'ny taberinakely zay kandindagna ndraiky aloky ny raha akagny an-dangitry. Zany dia hotra ny nampitandraiman-Jagnahary i Mosesy raha izy handaiha hagnamboatra taberinakely: hoizy izy Zagnahary magnanjao: "Zahavo mbô hotsabonareo araka ny môdely zay afa naboaka anao tegny an-tanety ny raha jiaby."6Fao avaizo Kristy dia nalaka asa fanompoagna tsara lavitry. Zany dia noho izy mpagnailagnailagna faogna koa amin'ny fampanantenagna taigna tsara.7 Fao raha tsy nanan-tsigny zany fagnikiagna voalaohany zany, dia tsisy nilagna fagnikiagna faharoa.8Fao koafa nahita tsigny tamin'ny ôlogno Zagnahary, dia hoy Izy: "Tô, ho avy ny andro—hoizy ny Tompo—koafa hitsabo fagnikiagna vava amin'ny ôlon'Israely ndraiky ny ôlon'i Joda Zaho. 9Dia tsy hotra ny fagnikiagna zay nitsaboky niaraka tamin'ny razagna n-jareo tamin'ny andro zay nindaisako zareo tamin'ny taniny hiala avy tamin'ny tany Egypta zany. Fao zareo dia tsy nibidôko tao amin'ny fagnikiako, aveo Zaho tsy niraharaha zareo—hoizy ny Tompo.10Fao zao no fagnikiagna zay ho tsaboky amin'ny ôlon'ny Israely afarany regny andro regny hoizy ny Tompo. Hataoko ao antsaignin-jareo ny lalàgnanaha, aveo ho soroatako am-pôn-jareo faogna koa zany. Ho Zagnaharin-jareo Zaho, ary zareo ho ôlognonaha.11Zareo dia tsy hampianatra ny mpiara-monigny aveo ny rahalahy aby, hivaolagna magnanjao: 'Haiky ny Tompo.' Fao hahay Zaho jiaby, manomboko amin'ny taigna hely kay zisiky amin'ny taigna gaida aminjareo.12 Fao Zaho dia hamindra fô amin'ny tsy fahamarignan-jareo, avakeo tsy hahatsiaro reo fahotagnany eky.13Amin'ny fivolagnagna magnanjao: "Vava,'' dia nagnano fagnikiagna voalaohany ho talaoha izy, avakeo zay afa lany andro ndraiky hantitry dia afa marikitry ho levogno.Chapter 9
1Ary na dia fagnikiagna voalaohany aby dia nanagna fitsipi-pivavahagna ndraiky fitoaiaragna masigny aketo an-tany. 2Fao nisy taberinakely zay nomanigny. Ny efitry voalaohany, zay nisy ny fitoeran-jiro, ny latabatra, avakeo ny môfon'ny fagnatraihagna. dia nantsôvigny hoe fitoeragna masigny.3Ao ambadiky ny lamba faharoa dia nisy aifatra araiky hafa, antsôvigny hoe toeragna taigna masigny.4 Nisy alitara vaolamaina ho nihin'ny ditin-kakazo mangitry zany. Nisy fiaran'ny fagnikiagna faogna koa, zay badaofany vaolamaina tantairaka. Tao agnatin'ny zany dia nisy seho vaolamaina zay nisy ny mana, ny tongôzon'i Arona zay naniry, aveo reo vato fisaka ny fagnikiagna.5 Egny ambonin'ny fiaran'ny fagnikiagna, dia kerobima be vogninahitry maro no magnaloko ny sarogno fambadagna, zay tsy afaka koragninay amin'ny antsipiriany amizeo.6Koafa voahomagna reo raha reo dia niditry tao amin'ny hefitry ambailan'ny taberinakely foana reo mpisôrogno mbô hagnano fanompoagnan-jareo. 7Fao ny mpisôgnobe faogna no niditry ndraimandaiha isantagno tao amin'ny hefitry faharoa, avakeo niaraka tamin'ny lio zay natôlotro ho an'ngy haignany sy ho an'ireo fahotana tsy kiniany reo ôlogno.8Naboakan'ny Fagnahy Masigny fao ny lalagna mandaiha amin'ny toeragna taigna masigny dia mbôla tsy naboaka raha mbôla mitsangagna ny taberinakely voalaohany. 9Zany dia fagnohoaragna ho amizao fotoagna avaizo zao. Reo fagmomaizagna ndraiky reo sôrogno zay atôlotro zao dia samy tsy afaka hahatantairaka ny fieritreraitan'ny mpivavaka araiky. 10Mifantoko amin'ny hanigny ndraiky raha figiahigny ndraiky karazam-pomba fiodiovagna maro faogna reo. Reo jiaby reo dia fitsipiky ho nihin'ny nôfo jiaby zay namiagna papiky hagnamboaragna ny fandaminagna vava.11Kristy dia havy hotra ny mpisôrognoben-jareo raha tsara zay tonga. Nandaiha tamin'ny alalan'ny taberinakely taigna gaida ndraiky taigna lafatra zay tsy nitsabon-tagnagn'ôlombelogno Izy, zay tsy nihin'ny zao tontolo voahary zao. [Fagnamarigna: Reo dika-teny sasany dia mivaky hotra zao: "Jesôsy dia tonga hotra ny mpisôrognobe n-jareo raha tsara zay ho avy."] 12Tsy tamin'ny lion-jareo osy lahy ndraiky vantotr'Omby vavy zany, fao tamin'ny lin'ny manaokagna zay niditry tao amin'ny toeragna taigna masigny ndraiky mandaiha monja ho nihin'ny jiaby aveo niaro ny famonjiantsika bariky ditany.13Fao raha ny lin'ny osy ndraiky reo aomby lahy aveo famafazagna ny lavenon'ny vantotr'omby vavy eo amin'ny reo zay nanjary maloto no manaokagna zareo amin-Jagnahary ho fagnadiovagna ny nôfon-jareo, 14hotra ny akôry ny fihoaran'ny lin'i Kristy, zay nanôlotro ny haigniny tsisy kilaima ho amin-Jagnahary tamin'ny alalan'ny Fagnahy bariky dintany, hagnadio ny fieritreraitantsika hiala amin'ny asa maty mbô hanompoagna lehy Zagnahary velogno? 15Noho zany antony zany, dia Izy no mpagnalàlagna ny fangikiagna vava. Zany dia, satria nisy fahafataisagna araiky niboaka mbô hagnafaka reo zay ambanin'ny fagnikiagna voalaohany amin'ny fahotan-jareo, dia halaka ny fampanantenagnan'ny laova bariky dintany reo zay voahantso.16Fao raha misy didim-panagnagna, ny fahafataisan'ny lehy ôlogno zay nagnano zany dia tsy maintsy voaprofo.17 Fao koafa misy fahafataisagna faogna vao manan-kery ny didim-panagnagna, satria tsy manan-kery zany raha toa ka mbôla velogno lehy ôlogno zay nagnano zany.18Kay na dia ny fagnikiagna voalaohany aby tsy natao raha tsisy lio.19 Fao koafa nagnamia ny didy jiaby tao amin'ny lalàgna tamin'ny reo ôlogno jiaby Mosesy, dia nalaka ny lion'ny reo aomby ndraiky reo osy, niaraka tamin'ny rano, voalahan'ondry jaky maina, ndraiky hysopa izy, aveo namafy teo amin'ny boky ndraiky ny ôlogno jiaby.20 Avakeo izy nivaolagna nagnanjao: "Tô no lin'ny fagnikiagna zay nandidian-Jagnahary aminareo."21Hotra zany koa, dia namafy ny lio teo amin'ny taberinakely ndraky reo fibidaohan-draha jiaby hampiasaigny amin'ny fanompoagna izy. 22Araka ny lalàgna, dia tsiky ny raha jiaby no voadio tamin'ny lio. Raha tsisy fandatsahan-dio dia tsisy famotsaoran-keloko.23Noho zany dia nilaigny ny tandindon'ny reo raha akagny andangitry mbô ho voadion'ny sôrogno reo biby reo. Na zany aby, reo raha ny langitry lasiteky no nila nodiovigny tamin'ny sôrogno taigna tsara.24 Fao Kristy dia tsy niditry tao amin'ny toeragna taigna masigny zay natan'ny tagnagna, zay tandindony lehy araiky zay taigna izy faogna. Fao ndraiky niditry tandangitry lasiteky Izy. Mbô hiboaka akeo amin'ny fagnatraihan-jagnahary ho amintsika zeo.25Tsy nandaiha tao mbô hanôlotro ny haigniny mazagna Izy, hotra ny fatan'ny mpisôrogno be, zay miditry ao amin'ny toairagna taigna masigny isantaogno niaraka tamin'ny lion'ny hafa. 26Fao raha zany ny raha niboaka dia nila nijaly matetiky nanomboko tamin'ny fagnoraignagna zao tontolo zao Izy. Fao zeo dia ndray mandaiha faogna no nagnaboahagna Azy mbô hangala ny fahotagna amin'ny alalan'ny sôrogno ny haigniny faogna.27Afa natao hofoaty ndraimandaiha ny ôlogno jiaby, aveo afaran'ny zany no hoavy ny fitsaragna. 28Hotra zany faogna koa, Kristy, zay nanôlotro ndraimandaiha mbô hangala reo fahotagnan'ny maro, dia niboaka fagnindroany, tsy handraraha ny ota, fao ho nihiny famonjiagna reo zay mandigny Azy amim-paharaitagna.
Chapter 10
1Fao ny lalàgna dia alok' reo raha tsara ho avy faogna, fao tsy taigna endrik' reo raha reo. Reo zay magnatgno Zagnahary dia tsy afaka ny ho lafatra amin'ny alalan'ny sôrogno mitôvy amin'ny zay entin'ny reo mpisôrgo isantagno.2 Raha zany tsy afa nijanogno ny nanôlotro regny sorogno regny moa zareo? Amin'ny zany tranga zany, raha afa nidiovigny indray mandaiha faogna zareo, dia tsy mbô hahay ota eky reo mpivavaka.3 Fao amin'ny reo sorogn reo, dia misy fampahatsiahivagna reo ota isantagno.4 Satria ny lin'aomby lahy ndraiky osy lahy dia tsy mahavita mangala reo ota.5Koafa tonga teto amin'ny zao tontolo zao Kristy, dia nivaolagna Izy nagnanjao: "Tsy sôrogno na koa fagnatitry no nirinareo. Fao naifa, haigny zay afa nomaninareo hoanaha. 6Ny fagnatitry niroagna na sôrogno ho nihin'ny ota dia tsy niravoanareo. 7Ary hoizy Zaho: "Zahavo, tô Zaho araka zay voasaoratra mahakasiky Zaho ao amin'ny Saoratra Masigny, mbô hagnano ny sitrakareo."8Voalohany nivaolagna izy nagnanjao: "Tsy sôrogno, na koa fagnatitry, na fagnatitry niroagna, na sôrogno ho nihin'ny ota no nirinareo. Avakeo Anao tsy niravo tao amin'ny ziregny." Iregny dia sôrogno zay atôlotro araka ny lalàgna.9 Avakeo nivaolagna izy nagnanjao: "Zahavo, tô Zaho hitsabo ny sitrakareo." Izy dia nalaka fampihargna voalaohany mbô hampitrahagna ny fampiharagna faharoa.10 Tamin'ny zany sitraka zany, atsika dia nihamasinigny tami'ny alalan'ny fagnatitry ny haignin'ny Kristy ndraimandaiha faogna.11Amin'ny lafiny araiky, ny mpisôrogno jiaby dia mitsangagna isan'andro manompo Zagnahary. Izy dia manôlotro sôrogno mitôvy hatragny, na zany ndraiky zareo dia tsy afaka malaka reo ota velively. 12Amin'ny lafiny araiky hafa, Kristy dia nanôlotro sôrogno araiky ho nihin'ny ota bariky dintany, nidôko teo antagnankaherin-Jagahary Izy. 13Izy dia mandigny papiky hanaovagna reo fahavalon'ny ho fibidaohan'ny hongotro ho nihin'ny hongotroanazy. 14Fao tamin'ny fgnatitry araiky izy dia nahalavorary bariky dintany reo zay nihamasinigny.15Ny Fagnahy Masigny koa dia mitsangagna antomoa ho amintsika. Fao tamin'ny voalaohany Izy nivaolagna nagnanjao: 16"Tô no fagnikiagna zay ho tsaboky miaraka amin-jareo afaran'ny reo andro reo, hoizy Tompo. Hapaitrako am-pônjareo ny lalàgnanaha, avakeo hanaoratra zany antsaigninjareo Zaho.17Tsy hahatsaro ota ndraiky reo heloko njareo eky Zaho.'' 18Aveo na aiza misy famelagna zany, dia tsisy sôrogno ho nihin'ny ota eky.19Noho zany, rahalahy, atsika dia managna fahatokiagna ny hitsôfotro akao amin'ny toeragna taigna masigny tamin'ny lin'ny Jesôsy.20 Zany no lalagna vava salakady velogno zay nisokoafigny ho nihintsika tamin'ny alalan'ny ankanjo, zany hoe, tamin'ny alalan'y nôfotroanazy.21 Satria atsika dia managna mpisôrogno gaida mitandrigny ny tragnon-Jagnahary, 22aoka atsika hagnatogno amin'ny fô madio amin'ny finoagna feno fahatokisagna, mbô hanagnantsika fô madio amin'ny fieritreraitagna ratsy avakeo hanagnantsika haigny voadio tamin'ny rano madio.23Aoka atsika hitagna mafy ny fagnikiagna ny fiandrandragna mahatokintsika, tsy amim-pihozongozognagna, satria Zagnahary, zay nampagnantaigna, dia mahatoky.24 Aoka atsika handiniky ny fomba handrisihagna ny tsiaraikiaraiky amin'ny fitiavagna ndraiky reo asa tsara.25 Aoka atsika tsy hagnajanogno ny fiarahagna mivôry, hotra ny nitsabon'ny sasany. Fao ndraiky mifankaheraiza hatragny, aveo maika fao hitanareo fao marikitry ny andro.26Fao raha aohatra atsika kinia manota koafa avy nalaka ny fahalalagna ny marigny, dia tsisy fagnatitry ho nihin'ny ota eky.27 Fao ndraiky, taokagna faogna ny fiandrasagna mahatohitry ny fitsaragna, avakeo fahatizairagna mirehitry zay hagnapotiky reo fahavalon-Jagnahary.28Na zôvy na zôvy niala ny lalàn'i Mosesy dia hifoaty tsisy indra-fô amin'ny fitsanganagna antomoa reo aroa na telo zay nagnatri-maso. 29Fagnasaziagna ratsy lavitry hotra ny ino no eritreritry areo fao magnaiva reo zay nandia ny Zanaka Zagnahary, zay nagnano ny lin'ny fifagnikiagna ho tsy masigny—Lehy lio zay namasinigny Azy—aveo naniratsiara ny fagnahin'ny fahasoavagna?30Fao atsika mahay lehy araiky zay nivaolagna nagnanjao: "Nihinaha ny valifaty; Zaho no hamaly." Aveo koa: "Ny Tompo dia hitsara ny ôlognoanazy." 31Raha mampambory no hilatsaka akeo antagnan-Jagnahary velogno!32Fao Tsarovy reo andro talaoha, koafa nazavaigny areo, ny fomba niaraitanareo ny ady mafy tamin'ny fijaliagna.33 Areo dia nalaigny baraka ampahibemaso tamin'ny fagnaratsiagna ndraiky tamin'ny fagninjaihagna, avakeo areo dia niaraka nizara tamin-jareo zay nandalo fijaliagna hotra zany.34 Satria areo dia nanagna fangororam-pô taminjareo zay nigadara, aveo areo dia nagneky taminkaravoagna ny fangalàgna ny fanagnagnareo. Dia nahay areo fao ny haigninareo dia managna fanagnagna taigna tsara ndraiky maharitry bariky dintany. [Fagnamarignagna: Ny dikan-teny talaoha dia tsy hahitagna ny voambaolagna magnanjao: Fa areo dia nanagna fangoraham-pô tamin'ny gadranaha.'']35Noho zany dia aza ariagna ny fatokisanareo, zay managna valisoa gaida.36 Fao areo dia mila faharaitagna, mbô hazahoanareo zay nampanantenain-Jagnahary, koafa nagnano sitra-pônazy areo.37 Fao tsy hoela aby, lehy araiky zay hoavy dia taigna hoavy aveo tsy ho tara.38Ny ôlognoanaha marigny dia hivelogno amin'ny finoagna. Raha mihemotro izy, Zaho dia tsy ho ravo aminazy."39 Fao atsika dia tsy agnisan'ny reo zay mihemotro ho amin'ny faharavagna. Fao ndraiky, atsika dia agnisany reo zay managna finoagna ho amin'ny fitanagna ny fagnahintsika.Chapter 11
1Ary ny finoagna no antoka amin'ny reo raha nandrasagna tamim-pahatokiagna. Io no profon'ny reo raha mitranga zay mbôla tsy hita.2 Fao noho zany reo razambe dia nankatoavigny nohon'ny finoagnan-jareo.3 Amin'ny finoagna no hahaizantsika fao ny didin-Jagnahary no namoronagna izao tontolo zao, kay zay hita maso dia tsy nitsabogny tamin'ny raha zay hita maso.4Tamin'ny finoagna no nanolaoran'i Abela fagnatitry taigna tsara ho nihin-Jagnahary nohon'ny nihin'ny Kaina, tamin'ny alalan'ny zany no nagnambarany azy ho marigny, avakeo Zagnahary nivaolagna tsara azy noho reo fagnatiny, avakeo amin'ny finoagna no mbôla hivolagnan'i Abela, na dia afa maty aby izy.5Tamin'ny finoagna no namindragna Enoka mbô tsy ahita fahafataisagna. "Tsy hita izy, satria nalain-Jagnahary." Fao talaohan'ny nangalagna azy, dia nitsanganagna antomoa fa nankasitrahin-Jagnahary izy. 6Avakeo koafa tsisy finoagna dia tsy mety ho ankasitrahiny. Satria ilaigny zay magnatogno Zagnahary dia tsy maintsy mino fao misy Izy avakeo Izy no mamaly tsara amin'ny reo zay mitady Azy.7Tamin'ny finoagna Noa, gnamiana hafatra avy amin-Jagnahary mahakasiky reo raha zay mbôla tsy hita, niaraka tamin'ny fagnajagna Zagahary no nagnamboarany sambo zay namonjiagna ankohonany. Fao tamin'ny fanaovagna zany, no nagnamilaohany zao tontolo zao ndraiky nahatongavany ho mpandaova ny fahamarignagna araka ny finoagna.8Tamin'ny finoagna Abrahama, koafa natsôvigny, nankatô ndraiky nandaiha tagny amin'ny lehy toeragna zay hahazoany ho laova. Nandaiha izy, tsy nisalasala zay tany nomboany. 9Tamin'ny finoagna no nianianany tagny amin'ny lehy tany nampanantenaigny hotra ny vahiny. Niaigny tao agnaty tragno lay izy niaraka tamin'Isaka ndraiky Jakoba, reo mpiara-mandova amin'ny lehy fampanantenagna mitôvy. 10Fao izy nizaha lehy tanàgna zay managna reo fagnoraignagna, lehy tanàgna zay Zagnahary no mpamarin-tragno ndraiky mpagnorin-tragno.11Tamin'ny finoagna, na dia Saraha izy haigniny zay momba aby, no nazahoan'i Abrahama ny fahafahagna ho araiky. Nitranga zany na dia afa taigna hantitry aby izy, satria niheveriny ho karaha lehy mahatoky namiagna lehy fampanantenagna izy [Fagnamarihagna: Misy fagnontaniagna mahakasiky ny hoe ny finoan'i Abrahama sa ny finoan'i Saraha no nahômby. "Tamin'ny finoagnan'i Saraha, na dia afa antitry aby izy, no nazahoany ngôvo hanagn'anaka, na dia afa taigna hantiry aby izy hitondra zaza, satria nihevitry lehy nagnamia lehy fampanantenagna azy ho mahatoky."] 12Noho zany, avy amin'ny zany lalahy zany, zay afa hifoaty, no nahatirahanjareo zay hotra reo la kintagna egny an-dangitry ny hafontrizany ndraiky hotra alagnagna môrony ranomasigny, zay tsy voahisa.13Tao amin'ny finoagna regny jiaby regny no maty tsy nandray reo fampanantenagna. Fao ndraiky, tafaran'ny nahitagna ndraiky niarabagna zareo avy egny lavitry, dia nagneky zareo fao vahiny ndraiky sesi-tany atoy antany.14 Ho amijareo zay mivaolagna hotra zany raha zany dia magnazava fao mitady tanindrazagna zareo.15Raha nieritreritry ny firenena zay nialanjareo, dia mety nanagna fahafahagna himpôdy.16 Fao hotra zany, nagniry firenena tsaratsara zareo, kay zany, lehy akagny andangitry. Noho zany tsy mahamaingatra Zagnahary ny voahantso hoe Zagnaharin-jareo, kay nagnomagna tanàgna ho nihinjareo.17Tamin'ny finoagna Abrahama, koafa nitsapaigny, dia nanôlotro Isaka. Io no zanany lalahy taokagna zay natôlony, izy lehy nahazo reo fampanantenagna. 18Tamin'i Abrahama no nivolagnany nagnanjao: "Amin'ny alalan'Isaka no hagnisahagna reo taminganao." 19Abrahama dia nisaigny fa Zagnahary dia hahavita hanangagna Isaka amin'ny reo maty, avakeo amin'ny heviny amin'ny aohatra, avy tamin-jareo no hazahoany azy ndraiky.20Tamin'ny finoagna mahakasiky reo raha hoavy koa no nitsofan'Isaka rano i Jakoba ndraiky Esao. 21Tamin'ny finoagna Jakoba, tamin'izy afa hifoaty, no nitso-drano reo zanak'i Josefa tsiaraikiaiky aby. Nivavaka Jakoba, nitehagna tamin'ny laohany tongôzo. 22Tamin'ny finoagna Josefa, koafa narikitry ny fiafarany, no nikoragna ny fialan'ny zanak'Israely avy akagny Egypta aveo nagnafarany ny amin'ny talaohany.23Tami'ny finogna Mosesy, koafa tairaka izy, dia navôniny reo ray aman-dreniny nandritrany ny telo volagna satria hitan-jareo fa zaza tsara izy. Tsy natahotro ny didin'ny mpanjaka zareo. 24Tamin'ny finoagna Mosesy, tafara'ny naha gaida azy, no nandà ny hagnantsaovagna azy ho zanaka lalahini'ny zanaka vavin'ny Farao. 25Fao ndraiky, nisafidy ny hijaly niaraka tamin'ny vahoakan-Jagnahary izy, hotra zay hankafy reo fahafinaraitan'ny fahotagna mandritra ny fotoagna fohy. 26Nivaolagna izy nagnanjao ny fahafaham-baraka amin'ny fagnarahagna Kristy dia hariagna goalahy noho reo hariagnan'i Egypta. Satria nampifantoko reo masony tamin'ny valisoany izy.27Tamin'ny finoagna no nialan'i Mosesy tagny Egypta. Tsy natahotro fahatizairan'ny mpanjaka izy, fao niaritry zany hotra ny nahita lehy tsy hita maso.28 Tamin'ny finoagna no nitandraiman'ny Paska ndraiky ny famafazagna ny lio, mbô tsy hikasiky ny zanaka lahimatoan-jareo Israelita ny mpandringagna ny zanaka lahimatoa.29Tamin'ny finoagna no nitsahan-jareo ranomasigny maina hotra ny mandia tany maigny. Koafa nagnandragna nagnano zany reo Egypta, dia voateligny zareo.30 Tamin'ny finoagna no nirodagnan'ny mandan'i Jeriko, koafa avy nihodidigny nandritry ny fito andro zareo.31 Tamin'ny fioagna no tsy nahafaty i Rahaba lehy mpivaro-taigna niaraka tamin'ny reo mpaniasia, satria nalaka reo mpisafo tagny tamin'ny fiadanagna izy.32Ino faogna koa no afaka volagniky? Fao ho lany ny fotoagnako raha mikoragna mahakasiky Gideona, Baraka, Samsona, Jefta, Davida, Samoela, avakeo mahakasiky reo mpagnazary zaho. 33Tami'ny alalan'ny finoagna no nazahoan-jareo fanjakagna, niasa ara-drariny, aveo nalaka reo fampanantenagna. Nagnidy ny vavan'ny reo liona zareo, 34namono ny ngôvon'ny môtro, nilaifa ny lailameso, nahivagna tamin'ny reo aretigny, nanjary nahery tamin'ny ady, avakeo nandresy reo tafiky vahiny.35Nitsangagna tamin'ny maty tamin'ny fanangana-ko velogno reo vaiavy. Reo hafa dia nampijalegny, tamin'ny tsy fagnikaihagna ny famotsaoragna taigna tsara.36 Ny hafa dia nitsapaigny tamin'ny fagnesoagna ndraiky reo fikapohagna, ia fao na dia ny fehy ndraiky reo fagnagadragna aby.37 Nitopiam-bato zareo. Nivakigny hizara aroa zareo. Nivonogny tamin'ny meso zareo. Nivaindravaindra tamin'ny hôditr'ondry ndraiky hôditr'osy zareo. Nahantra zareo, nampihorohorogny, nampijalegny. [Fagnamarihagna: ny dikan-teny sasany talaoha dia mivaky magnanjao: "Nitopiagna vato zareo. Nivakigny hizara roa. Nampandalovigny fitsapagna. Nivonogny tamin'ny meso.'']38 Zao tontolo zao dia tsy magnaiva zareo. Nivendrivendry tagny an-tany maty, tagny amin'ny reo tanety, tagny amin'ny reo lava-bato, aveo tagny amin'ny reo lavaka ambanin'ny tany zareo.39Kanaifa regny ôlogno jiaby regny dia nikehin-Jagnahary nohon'ny finoagnan-jareo, tsy nalaka ny fampanantenagna zareo.40 Nagnomagna raha taigna tsara hoantsika Zagnahary, mbô tsy ho lavorary zareo, raha tsisy atsika.Chapter 12
1Noho zany, satria atsika voakodidigny antomoa maro hotra ny zavogno, dia andaiaha atsika hagnambaila vaisatra jiaby ndraiky ny fahotagna mora magnodidigny atsika.2 Andaiha atsika hilomoay am-paharaitagna ny filomoahizagna zay napaitraka teo alaohantsika. Andaiha atsika hitandrigny amin'i Jesôsy, ny mpiantoko ndraiky mpagnatantairaka ny finoagna. Fao nohon'ny haravoagna zay napaitraka teo agnatraihany, dia niaritry ny kakazofijaliagna Izy, tsy niraharaha ny haingatra zany, aveo nidôko teo an-tanankaherin'ny dabilio fiandrianan-Jagnahary. 3Noho zany diniho ny mahakasiky Azy, lehy araiky zay niaritry fanoheragna hotra zany aby tamin-jareo mpanota hanohitry ny haigniny, mbô tsy ho rairaka ao am-pônareo areo kay hilavo lefogno.4Tsy mbôla nanohitry areo na niaizaka hanohitry ny fahotagna zisiky fandatsahan-drà, 5aveo hadignonareo ny fampaheraizagna zay nampianarigny areo hotra ny amin'ny reo zanaka magnanjao: "Oa zanako lahy, aza magnamaivagna ny fitsipiky ny Tompo, na miharairaka raha ahitsy areo."6 Fao ny Tompo magnafay ny jiaby zay tiany, aveo Izy magnasazy ny zanaka tsiaraikiaraiky zay raisiny.7Miaraita fijaliagna hotra ny fitsipiky. Zagnahary dia mitondra areo hotra ny zanaka. Fao zanaka ino no teo kay tsy nifaizin'ny iadany?8 Fao raha tsy managna fitsipiky areo, zay anagnan'ôlogno jiaby, dia zazitany areo fao tsy zanany.9Ary koa, nanagna ny iada ara-nôfo hotra ny mpagnafay atsika, aveo nagnaja zareo atsika. Tsy tôkony taigna hankatô ny Iadan'ny fagnahy moa atsika avakeo ho velogno?10 Fao eto ankilany, reo iadantsika nagnafay atsika nandritrin'ny andro vitsy araka zay marigny tamin-jareo. 11Naifa eto ankilany, Zagnahary nagnano zany ho nihin'ny zay tsara hoantsika mbô hafahantsika managna anjara amin'ny fahamasignagna. Tsisy famaizagna miboaka ho mahafinaritry, fao manaintaigny aby. Kanaifa zany afara hely dia mamokatra ny vaokatra feno fiadanan'ny fahamarignagna ho nihin-jareo zay nizarigny tamizany.12Noho zany hatanjaho reo tagnagnanareo zay miraviravy ndraiky reo lohoalitry malemy.13 Manaova lalagna mahitsy ho nihin'ny hongotroareo, mbô zay malemy dia tsy hibitsiky fao hahivagna aby.14Magninjaiha fiadanagna miaraka amin'ny ôlogno jiaby, aveo ny fahamasinagna faogna koa zay tsy nahita na zôvy na zôvy ny Tompo raha tsy miaraka amin'ny zany.15 Mitandraima mbô tsy hisy na zôvy na zôvy tsy hanagna fahasoavan-Jagnahary, avakeo tsy hoisy vahany fahangidiagna mitômbo hitairaka korontagna, mbô tsy ho maro no manjary voaloto amin'ny zany. 16Mitandraima mbô tsy hoisy fijangajangagna na ôlogno tsy nihin-Jagnahary hotra Esao, zay nivarotro fizokiany ho nihin'ny hanigny araiky.17Fao areo mahay fao koafa afaka zany, koafa nagniry handova ny fitahiagna izy, dia nilavigny, satria tsy nitahy iraka amin'ny fibaibahagna izy, na dia nitsakaraka zany tamin-dranomaso aby.18Fao areo tsy tonga teo amin'ny tanety zay tsy azo kasihigny, tanety ny môtro magnoro, hizigny, fahamaignagna, aveo tafiotra. 19Areo dia tsy tonga teo amin'ny trompetra magneno mafy, na teo amin'ny feo zay minainagna reo vaolagna zay ny mpitandregny zany dia nangataka mbô tsy hoisy teny hafa ho koragnigny amin-jareo. 20Fao zareo tsy afaka niaritry zay nodidiagna magnanjao: "Fao na dia ny biby mikasiky tanety aby, dia tsy maintsy ho topiagna vato zany." [Fagnamarihagna: Reo dikan-teny sasany talaoha dia mivaky hotra zao: ''"Fao na dia biby araiky zay mikasiky tanety aby, dia tsy maitsy ho topiagna vato zany na ho vonogny amin'ny zana-tsipika.''"] 21Fao mamptahotro loatra lehy fahitagna zay nikoragnin'i Mosesy magnanjao: "Mihorohoro zaho aveo mangitakitaka."22Fao areo ndraiky, dia havy teo amin'ny tanety ziona aveo teo amin'ny tagnan-Jagnahary velogno, ny Jerosalema agny andangitry, avakeo teo amin'ny reo anjely agnalignaligny tami'ny fankalazagna.23 Areo dia tonga teo amin'ny antokon'ôlon'ny voalaohantairaka, zay voasaoratra agnaragna agny an-dangitry. Areo dia tonga teo amin-Jagnahary, lehy mpitsara ny jiaby aveo teo amin'ny reo fagnahin'ny reo ôlon'ny fahamarignagna zay natao tonga lafatra.24 Areo dia tonga amin'i Jesôsy, lehy mpanalalagna ny fagnikiagna vava, aveo teo amin'ny lio latsaka zay tsara noho ny lion'i Abela.25Aoka areo tsy handà lehy araiky zay mivaolagna. Fao raha tsy nilaifa zareo tamin-jareo nandà ny araiky zay nampitandrigny zareo teto antany, dia taigna hely no hilifasantsika raha mihodigny amin'ny lehy araiky zay mampitandrigny atsika avy andangitry atsika. 26Tamin'ny fotoagna araiky, ny feonazy nagnôzonkôzogno ny tany. Fao zeo Izy nampagnantaigna ndraiky ninainagna nagnanjao: "Mbôla hagnôzonkôzogno indray mandaiha tsy ny tany faogna zaho, fao ny langitry faogna koa."27Reo koragna reo, "Indray mandaiha koa," dia midika ny famindragna reo raha zay afaka hôzonkozônigny, zany dia, reo raha zay nohariagna, mbô hitoaitra reo raha zay tsy azo hôzonkozônigny. 28Noho zany, satria malaka fanjakagna zay tsy azo hôzonkozônigny, dia aoka ho mpankasitraka atsika aveo amin'ny zany fomba zany dia hidaira Zagnahary taigna am-pagnajagna ndraiky aminkamboriagna. 29Fao ny Zagnaharintsika dia môtro mandevogno.Chapter 13
1Aoka hitôhy ny fitiavagna ara-pirahilahiagna.2 Aza magnadigno mifampiantragno reo vahiny. Fao tamin'ny alalan'ny zany no nanehoan'ny sasany fampiantranoagna reo anjely naifa tsy hainy zany.3Tsarovy reo voagadra, hotra ny niara-nifehy taminjareo areo. Tsarovy reo zay nampahorigny, hotra ny hoe zareo faogna koa areo amin'ny vatagna. 4Aoka ho hajain'ny tsiaraikiaraiky ny fanambadiagna. Aoka ny fandriagn'ny fanambadiana mbô hadio, fao Zagnahary dia hitsara reo mpangala-badin'ôlogno ndraiky reo mpijangajanga.5Ambilao ny fitondrantaignanareo ho afaka amin'ny fitiavam-bola. Mifalia amin'ny reo raha zay anagnanareo, satria Zagnahary haigniny dia nivaolagna nagnanjao: "Zaho dia tsy hiala areo velively, na hahafoy areo." 6Aleo atsika ho ravo mbô ho mahasaiky hivaolagna magnanjao: "Ny Tompo no Mpamonjinaha; kay tsy hatahotro zaho. Ino no azon'ny ôlogno atao aminaha?"7Diniho reo mpitariky areo, reo zay minainagna ny vaolagna Zagnahary taminareo, avakeo dinoh ny vokatrin'ny fihetsikin-jareo. Alay tahaka ny finoagnanjareo.8 Jesôsy Kristy dia tsy miova nomoaly, ndraiky niany aveo bariky dintany.9Aza magneky tahômigny amin'ny reo karazagna fampianaragna hafahafa. Fao tsara raha tôkony hamafisigny amin'ny fahasoavagna ny fô, fao tsy amin'ny hanigny zay tsy magnampy reo zay mandaiha miaraka aminjareo. 10Atsika dia managna alitara zay tsy anagnan-jareo zay manompo ny taberinakely fahefagna hihinagna.11 Fao ny lin'ny reo biby nivonogno atao fagnatitry ho nihin'ny ota dia nindesin'ny mpisorognobe tao amin'ny toeragna masigny nandritran'ny zany ny haigninjareo dia niroagna tagny ambailan'ny toby.12Noho zany Jesôsy faogna koa nijaly tagny ambailan'ny vavahadin'ny tanàgna, mbô hamasinigny reo vahoaka amin'ny alalan'ny liny manaokagna. 13Andaiha atsika noho zany ho agny Aminazy agny ambailany toby, hinday ny fahafahambarakanazy.14 Fao tsy managna tanàgna maharitry atsika atoy. Fao naifa, miambigny lehy araiky zay hoavy atsika.15Amin'ny alalany, aveo, dia niala atsika hanôlotro reo fagnati-pideragna ho amin-Jagnahary hatragny, fideragna vokatry ny môlotro zay magneky ny agnarany. 16Aleo tsy adignontsika ny magnano tsara ndraiky magnampy ny tsiaraikiaraiky aby, fao amin'ny fagnatitry hotra zany no taigna maharavoravo Zagnahary. 17Mankatoava ndraiky magnikaiha reo mpitariky areo, fao zareo no miaro ny fagnahinareo, hotra reo zay hagnano tatitry. Mankatoava mbô hagnano zany am-piravoagna reo mpitondra areo, fao tsy am-pisentoagna, zay manjary tsisy dikany aminareo.18Mivavaha zahay, fao zahay dia nino fao managna feon'ny fieritrairaitagna madio aveo magniry hiaigny am-pahamarignagna ny raha jiaby.19 Mandrisiky areo mafimafy aby zaho mbô hagnano zany, kay mbô himpôdy malaky aminareo zaho.20Ary lehy Zagnahary ny fiadanagna, zay nagnatsangagna tamin'ny maty lehy mpiambigny ondry lehibe, ny Tompontsika Jesôsy, tamin'ny alalan'ny lin'ny fagnikiagna bariky dintany,21dia hagnatsara areo amin'ny asa tsara jiaby mbô hanaovagna ny sitrapoôny. Izy hiasa akao agnatintsika, amin'ny alalan'i Jesôsy Kristy, zay hamiagna vogninahitry bariky dintany. Amena.22Ary mankahery areo zaho, rahalahy, mbô hizaka ny vaolagnan'ny fampaheraizagna zay nisoroatako fohy ho aminareo.23 Haiko fao afa nafahagna Timoty rahalahintsika, zay hiaraka aminaha hizaha areo raha tonga alaoha izy.24Atôvy veloma reo mpitariky areo jiaby ndraiky reo mpino jiaby. Reo zay avy akagny Italia dia magnano veloma areo.25 Ho aminareo jiaby ny fahasoavagna.