1Tame vôlohany, nahary gne lagnitry sy tany gne zagnahary. 2Tsy nisy-endriky sady foa gne tany. Mizy gne rano sady laly, nivezivezy teo gne fagnahin’ e zagnahary.3453-Da hoy e zagnahary hoe:” Misia gne mazava, da nisy tokôtry gne mazava 4-Hitan’ e Zagnahary fa tsara gne mazava, avy teo da nosarahany gne mizy ame mazava. 5-“ Andro” gne nangian'e zagnahary gne mazava; “aly” gne nangiany gne mizy. Nanomboky teo da nisy gne hariva sy gne mandraigny. Io gne andro vôlohany.6786-Da hoy koa gne Zagnaharya:” Misia gn’abakabaky, agnelagnelagny sady hapisaraky gne rano. 7-Noforognon' e Zagnahary gn’abakabaky sady nosarahany gne rano. 8-Gne abakabaky da nangiany hoe “Lagnitry”; da nisy gne hariva, da nisy gne mandraigny. Izay gn’andro faharoa.9-Da mbola hoy Zagnahary hoe: “ Ho totry raiky gne rano ambanin’gne lagnitry, ary hitoka gne tany. Da efa tokôtry izany. 10- “Tany gne nangian’ e zagnahary gne tany maina, “Ranomasy” gne nangiany gne rano mivotriky. Da hitany fa tsara izany.11-Hoy e zagnahary: ”hitsiry ahatry mentso gne tany, hamokatry gne fambole, hamoa gne azo mamoha sady misy karazany agnaby”. Da nisy tokôtry io. 12-Namokatry ahi-mentso gne tany sady nisy raha nitsiry isakarazany, nisy voakazo isakarazany. Hitan’ e zagnahary fa tsara izany. 13-Da nisy gne hariva sy gne mandraigny. Izany gn’andro fahatelo.14-Hoy e zagnahary: « misia gne mazava egny ame lagnitry, mba hapisaraky gn’andro ame aly, sady koa ho famatara gne fotoagny sy gne taogny. 15-Gne hazava ame lagnitry moa da hagnome hazavà gne tany. Da tateraky izany.16-Namorogny hazavà roy zakabe e Zagnahary: gne hazavà be indrindra ho famatara gn’ andro, fa gne hazavà kidikidy ho famatara gn’aly. Teo gne namorognany gne Kintagny. 17-Nafafiny tambony tame lagnitry tegny io mba hagnazava gne tany,18- Sady ka hapisaraky gne’andro ame aly, sady hapisaraky gne mizy ame mazava. Hitan' e zagnahary fa tsara gne raha noforognony.19-Da nisy gne hariva sy gne mandraigny. Io gn’andro faha efatra.20 Da mbola hoy e Zagnahary: « ho feno biby miagny marobe gne rano, gne voro mana elatry handrembo ame habakabaky, egny lagnitry. 21-Noforognon’ e Zagnahary gne karaza biby agnaby, gne biby ame ranomasy, gne biby mihetsiky ame rano sy gne voro mandrembo. Hitany fa tsara gne raha noforognony.22-Avy da nitso-drano endreo the Zagnahary nizaka hoe : "miteraha maro, mitomboa, fenohy gne rano ame ranomasy. Gne voro mandrembo, lonoky hiamaro ambonin’gne tany". 23-Da nisy gne hariva sy gne mandraigny. Zay gn’andro faha dimy.24-Da mbola nitso-drano fagnindroy e Zagnahary hoe: « lonoky gne tany, hamokatry zava-managn’aigny isakarazany agnaby. Da vitany tokôtry io. 25-Noforognon’ e Zagnahary isaky gne karazany agnaby gne biby agnaby, ao gne biby mandady sy mandeha ame tany, gne biby fiteza sy tsy fiteza. Hitan’ e Zagnahary fa tsara izany.26-Hoy e Zagnahary : « hamorogny Olo mitovy amitsika itsika. Da lonoky hajàkandreo agnaby gne biby andranomasy, gne voro mandrembo ame lagnitry, gne biby fiteza eraky gne tany aby, gne biby mandady sy mikisaky ame tany. (fagnamaria: gne sasany tame dikateny taloha da mizaka hoe : « ame biby fiteza, ame biby mandeha sy mikisaky ame tany. »). 27-Noforogn’e zagnahary hanahaky enazy gn’olombelo. Nasiany Lelahy, da nasiany viavy.28-Nagnome fafirano endreo e Zagnahary nizaka hôy: « Miteraha maro da mitomboa ! Lonoky hameno sady hifehy gne tany. Manàgna fahefà ame biby aby, gne biby andranomasy, gne voro mandrembo, gne biby mandady sy mikisaky ame tany, ame raha managny aigny ambonin’ e tany aby. »29- Da mbola nagnapy e zagnahary hoe: « efa foiko sady nomeko anareo gne raha mentso ambonin’ e tany aby, gne hazo da hanagnisiky, sady hamoha agnaby ».30-Ho an’gne biby tsy fiteza, gne voro mandrembo, gne biby mikisaky sy mandady ame tany, gne biby managny aigny amboniny gne tany, foiko sady nomeko ho sakafonareo gne ahatry mentso agnaby. Hitana' e Zagnahary fa tsara izany. 31-Hitan’ e Zagnahary gne hatsaràn’ny gne raha vitany. Da nisy gn’hariva da nisy gne nandraigny. Izany gn’andro faha enina.
1I Jakoba nahare gne zakane zanaky lelahan'i Labana, nizaka hoe: ''Nalain'i Jakoba aby gne rahan'iabatsika, sady avy tame fanagnan'iabatsika aby gne nahazoany gn'harenany.'' 2Hitan'i Jakoba tame gn'endrike tarehin'i Labana. Hitanany fa niova gne fihetsikiny taminazy. 3Avy teo Yaveh nizaka tam'i Jakoba hoe: ''Mipodia agny ame tanine razanareo sy gn'havanareo, da hiaro anao Iaho.''4Da i Jakoba nagniraky sy nangaiky an'i Rahely sy Lea ho atonda agny am'ireo ondry miarak'osiny 5sady nizaka tamindreo hoe: ''Hitako niova gne fihetsik'iabanareo taminah, saingy niaraky taminah Andremanitr'iabako. 6Fatatrareo fa tame gn'heriko aby gne nanompoako an'iabanareo.7Efa namitaky enah iabanareo sady nagnova gne karamako impolo, saingy tsy navelane Zagnahary handratry enah izy. 8Raha nizaka izy hoe: ''Gne biby sada aby gne karamanao,'' da niteraky mara gn'ondry miarak'osy aby. Raha nizaka izy hoe: ''Gne sadasada aby gne ho karamanao,'' da niteraky sadasada gn'aby gn'ondry sy gn'osy. 9Tam'iza fomba 'za gne nangalan'Andremanitry gne biby fiompin'iabanareo da nagnomezany en'iza ho anah.10Ary tamign'andro fahatera da nitambara, da hitako tao amign'onofy gn'osy lahy gne miaraky amign'ondry miarak'osy. Gn'osy lahy da sadasada, mara, sady sada. 11Gn'anjelin'Andremanitry nizaka t'agnatine onofy hoe: 'E Jakoba.' Da hoy iaho hoe: 'Itoa avao iaho.''12Hoy izy hoe: ''atsipazo eky me gne masonao da iteo aby gn'osy lahy gnne miaraky am'ireo ondry sy osy. Sadasada, mara ary sada reo, satria hitakao aby gne raha anin'i Labana aminao. 13Iaho gn'Andremanitr'i Betela, gne nagnosoranao tsangam-bato, sy nagnanoa voady taminah igny. Am'izao mitsangàna da melà am'ity tany 'Ty da mipodia agny ame tany nahateranao.''14Namaly anazy i Rahely sy Lea da nizaka taminazy hoe: ''Mbola misy anjara sy lova ho anay avao me ao ame tragnon'iabanay? 15Tsy naniny akoigne vitondrà vahiny me iahay? Fa namidiny iahay, sady koa noviravirainy tanteraky gne volanay. 16Fa gn'hareana nalain'Andremanitry tam'iabanay aby am'izao da anay sy gne zanakay. Da am'izao, ndre ino ndre ino nozakaine Zagnahary taminao, da anio iza.''17Avy teo da nitsanga Jakoba sady nagnapetraky gne zanany lelahy sy gne vadiny t'ambony rameva.18 Nindesiny aby gne biby fiompiny, da niaraka tame fanagnany aby, an'isan'iza gne biby fiompy azony tagny Padana-arama. Avy teo da niala mba hoagny am'Isaka rainy ame tany Kanàna izy.19Raha nandeha agnety gn'ondriny i Labana, da nangalarin'i Rahely gne sampi-drainy.20 I jakoba evakoa da namitaka an'i Labana Syriana, tame tsy nangnambara fa andeha izy. 21Ka da nitsôky niaraky tame fanagnany aby izy sady da nitsaky nalaky gne rano, da nahitsy negnagny ame vohitry abon'i Gileada.22Tamign'andro faha telo da nozakay tam'i Labana fa nilefa i Jakoba.23 Noho iza da nalainy ireo havany sady nagnaraky anazy nandry gne lala hafitoana. Tratriny tame tanàn'i Gileada izy.24Da avy taminazy gn'Andremanitry tamign'alalane onofy rehefa aligny gn'andro nizaka hoe: ''Tandremo mba tsy hagnano zaka tsara na ratsy an'i Jakoba enao.'' 25Tratrin'i Labana i Jakoba. Da nagnorigny gne tragnony teo ame vohitry abo Jakoba. Da nagnorigny tanà teo ame vohitr'i Gileada koa Labana niaraky tamign'havany. [Fagnamaria: gne dika-zaka sasany t'afara taty misy hoe: ''Labana evakoa da nagnano toera tame vohitr'i Gileada.'']26Hoy Labana tam'i Jakoba hoe: ''Ino gne naninao, gne da namitahanao anah ka nindesanao gne zanako viavy akoigne resy amign'ady io? 27Nagnino enao gne nilefa asokosoko sy namitaky anah fa tsy nizaka tamiko? Afaky nandefa anao tame fankalaza maresaky be sady niaraky tame hira iaho, tao gn'aponga tapaky sy asody. 28Tsy navelanao hagnoroky, hagnano veloma gne zaviko sy gne zanako viavy iaho. Da hamolà ity naninao 'ty.29Mana hery hatratrana anareo iaho, saingy Andremanitry gne rainareo gne nizaka taminah tamign'hariva hoe: 'tandremo mba tsy hisenao zaka na tsara na ratsy i Jakoba.' 30Am'iza da nandeha enao satria manigny ta hipody agny ame tragnon'iabanao. Saingy nagnino gne nangalarinao gn'Andremanitro?''31Namaly Jakoba da nizaka tam'i Labana hoe: ''Satria nalia iaho sady nieritreritry fa halainao aminah an-keriny gne zanakao viavy io, iza gne nahavy enah nilefa nangigny. 32Ndre ia ndre ia nangalatry gn'Andremanitrao da ho faty izy. Eo agnatrehane havatsika, da fantaro gn'aminah aty raha anareo da alaivo iza.'' Satria tsy fantatr'i Jakoba fa Rahely gne nangalatry eniza.33Da negnagny ame tragnon'i Jakoba i Labana, tame tragnon'i Lea, sady tagny ame tragnone mpanompo viaviny roy, saingy tsy nahita andreo izy. Hivôky tao ame tragnon'i Lea izy ary niditry tao ame tragnon'i Rahely.34Ary da nalain'i Rahely gne sampy da naniny t'ambonine laseline rameva, da nidoboky t'ambon'iza izy. Nikarapaky nagneragne tragno i Labana saingy tsy nahita ireo. 35Hoy Rahely tam'iabany hoe: ''Ka vignitry, tompoko, fa tsy afaky mitsanga aloanao eo iaho, satria avy gne fotoako.'' Ka da nitadia gne sampiny izy fa tsy nahita.36Vignitry Jakoba da nifamaly tam'i Labana. Hoy izy taminazy hoe: ''ino gne fandikan-dalàgna naniko? Ino gne fahotako, gne da nagniagnanao anah tame afanam-po? 37Fa da nosavanao aby gne fanagnako. Sady da ino tame raha tsarane fianakavianao gn'hitanao? Apetray alohane gn'havatsika iza, mba hahafandreo mitsara eo amitsika roy tonta.38Fa da niaraky taminao evao iaho nandritry gne ropolo tao. Gn'ondry vavinao sy gn'osy vavinao da tsy mba namotsotry, sady tsy mba nihina gn'ondry lahy avy tamign'ondrinao iaho. 39Tsy mba nindesiko t'aminao voviravirane bibidy. Fa da, iaho gne niaritry gne fahaverezan'iza. Aninao manolo gne biby very evao iaho, ndre gn'angalary atoandro, ndre gn'hariva. 40Tagny iaho; gn'atoandro da namely enah gn'afanà, gn'hariva da namely enah koa gn'ando; da tsy mba natory.41Nipetraky t'andragnonao tao iaho nandritry gne ropolo tao izay. Niasa ho anao nandritry gn'efatra amby folo tao iaho hahaoako gne zanakao roy vavy sady enitao ho anign'ondry miarak'osinao. Novanao impolo gne karamako. 42Raha tsy niaraky taminah gn'Andremanitr'iabako, gn'Andremanitr'i Abrahama, sady Andremanitr'Isaka, da ho nalefanao nandeha tagna-polo isaky iaho. Hitan'Andremanitry gne fahoriako sy gne fiasako mafy, da nizaka mafy anao izy tamign'aligny.''43Namaly Labana da nizaka tam'i Jakoba hoe: ''ireo zaza viavy ireo da zanako vavy, zafikeliko gne zafikely, sady ondry miarak'osiko ireo ondry miarak'osy 'reo. Gn'hitanao aby da anah aby. Fa am'izao da ino gn'hafaky aniko ho ane zanako viavy, ho ane zaza naterakiny? 44Da am'izao, hagnano fagnèke isika, da iaho sy enao, sady ôka iza ho vavolombelo aminah sy enao.''45Noho iza da nangala vato Jakoba sady nangala eniza ho tsangam-bato. 46Hoy Jakoba tamign'havany hoe: ''Mandagnona vato.'' Ka da nangala gne vato indreo sady nagnisy antontany. Avy teo indreo nihina tamign'antontam-bato indreo. 47Nangian'i Labana hoe Jagara-sahadota, fa Jakoba nangaiky eniza hoe Galeda.48Hoy Labana hoe: ''Antontam-bato 'ty gne vavolombelo amitsika androany.'' Noho iza gn'agnarany da angia hoe Galeda. 49Da angia evakoa hoe Mizpa iza, satria hoy Labana hoe: ''Yaveh aza da hitsijo anah sy enao, rehefa tsy mifankahita itsika. 50Raha ampijalinao gne zanako viavy, na manambady hafa akôtrine zanako viavy enao, ndre da tsy misy olo hafa aza amitsika etoa, da io gn'Andremanitry ho vavolombelo eo aminah sy enao.''51Hoy Labana tam'i Jakoba hoe: ''iteo ity antontam-bato 'ty, sady iteo gne tsangam-bato, gne nahoriko t'agnelagnelatsika tetoa. 52Vavolombelon'ity antontam-bato ity, sady vavolombolone tsangam-bato, mba tsy hioarako en'ity antontam-bato 'ty megn'aminao agny, sy tsy hioarako an'ity antontam-bato sy tsangam-bato ity megn'aminah aty, hagnano ratsy. 53Gn'Andremanitr'i Abrahama, sy gn'Andremanitr'i Nahora, sady gn'Andremanitr'iabanreo ane gne hitsara atsika.'' Nagnano fagnèke tame Tahotry en'Isaka iabany i Jakoba.54Nanolotry sorona tagny an-tendrombohitry i Jakoba sady nangaiky gn'havany mba hihina. Nihina indreo sady nijanogny tegny an-tendrombohitry indreo gn'hariva raiky. 55Vô nangiran-dratsy gn'andro da nifoha i Labana, nagnoroky gne zafikeliny sy gne zanany viavy sady nitso-drano andreo. Avy teo da niala teo sady nipody tagny an-dragnony i Labana.
1Da i Saray, vadin'i Abrama, da tsy mba niteraky zaza ho anazy, saingy nana mpanompo vavy raiky izy, Egyptiana, nangia hoe Hagara. 2Da hoy Saray tam'i Abrama hoe: ''Igny, tsy namela anah hana-gnanaky Yaveh. Mandihana mandry miaraky ame mpanompo vaviko. Iza angamba gne mety hahazoako zanaky avy aminazy.'' Niteno gne feon'i Saray i Abrama. 3Folo tao tafarane nipetrahan'i Abrama tao an-tany kanàna gne nagnomezan'i Saray, vadin'i Abrama, an'i Hagara mpanompo vaviny Egyptiana, ho vadine vadiny. 4Da niaraky tam'i Hagara izy, da bevoky izy. Rehefa hitany fa bevoky izy, da nagnety gne tompo vaviny tame fagnamavoa.5Da hoy Saray tam'i Abrama hoe: ''Avy aminao avao izao ratsy mahazo anah zao. Nomeko ho eo an-tratrana gne mpanompo vaviko, sady rehefa hitany fa bevoky izy, da namavoy t'amasony teo iaho. Avelay Yaveh gne hitsara anah sy enao.'' 6Fa hoy Abrama tam'i Saray hoe: ''Igny, eo ame fahefanao gne mpanompo viavinao, anio aminazy gne tena hitanao fa mety.'' Ka da nagnano fitondrà mafy taminazy i Saray, da nilefa anazy.7Nahita anazy t'akekigne loharano raiky tagny an-tany hay gn'anajelin'i Yaveh, gne loharano t'an-dala tegny nangalany Sora. 8Hoy izy hoe: ''e Hagara, mpanompon'i Saray, avy taia enao sady mbola handeha ho aia? Da hoy izy hoe: ''Milefa an'i Saray tompoko viavy iaho.''9Gn'anjelin'i Yaveh nizaka taminazy hoe: ''Mipodia agny ame tompo vavinao, sady mereta ame fahefany.'' 10Da hoy gn'anjelin'i Yaveh taminazy hoe: ''Hampitombo isa gne taranakao evakoa iaho, iza da tsy ho vita gne magnisa andreo.''11Da hoy evakoa gn'anjelin'i Yaveh taminazy hoe: ''Igny, bevoky enao, sady hiteraky zaza lelahy, sady gnagnarany da ho aninao hoe Ismaela, satria nahare gne fahorianao Yaveh. 12Ho borikidine gn'olo izy. Handrafy gn'olo aby izy, sady gn'olo aby hirafy aminazy, sady hipetraky lavitry gne rahalahiny aby izy.13Sady nomeny an'i Yaveh gne nireska taminazy izao agnara izao: ''Enao gn'Andremanitry gne mahita anah,'' fa hoy izy hoe: ''Mbola mahita evakoa me iaho, ndre da t'afarane nahitany anah me?'' 14Dikan'iza da nangia hoe Bera-lahai-roy gne fantsaka; igny, eo agnelagnelan'i Kadesa sy Bereda iza.15Niterake zanaka lahin'i Abrama i Hagara, da nomen'i Abrama agnara hoe Ismaela gne zanany, gne naterak'i Hagara. 16Enina amby valopolo tao i Abrama tame niteran'i Hagara an'i Ismaela ho zanany.
1Navy tao Sodoma gn'anjely roy rehefa hariva, raha mbola nidoboky t'ambavahadin'i Sodoma i Lota. Itan'i Lota indreo, nitsanga hitsena nadreo, sady nampihondriky gne tareny tame tany. 2Hoy izy hoe: ''Tompoko, mengavy enareo rô iaho mba hieliky ao an-tragnone mpanomponareo, mijànogna ao hariva, sady sasay gne tongotrareo. Da afaka mifoha rehefa magneno akoho enareo sady mandeha ame lala andehananareo. Namaly indreo hoe: ''Aeky, handany gn'aligny eo ame malalake tanà iahay.'' 3Fa niangavy mafy andreo izy, da niaraky tamindreo, sady niditry tao andragnony. Nahandro sakafo sady nagnendy mofo tsy misy masirasira izy, da nihina indreo.4Kanefa talohane natoriandreo, gne lelane tanà, gne lelan'i Sodoma, da nihodidy gne tragno, gne tanora sy gn'antitry, gne lela avy ame faritry ame tanà aby. 5Nangia ndreo i Lota, sady nizaka taminazy hoe: ''Aia gne lela avy taminao tatoa tam'ity aligny ity? Indeso aty aminay indreo, mba hahafahanay miara-mandry amindreo.''6Ka nivôky gne varangara ho amindreo eo i Lota sady nagnidy gne varangara tao afarany. 7Hoy indreo hoe: ''ô rahalako, mengavy anareo iaho, ka magnano raha ratsy lotry. 8Io, mana-gnanaky viavy roy mbola tsy niaraky natory tame lelahy iaho. Avelay iaho, mitaraigny aminareo iaho, indesiko aminareo etoa indreo, sady anio amindreo gne tsara eo aminareo. Ka magnano ndre ino ndre ino am'ireo lelahy ireo, satria avy ambanine tafoko atoa gne aloky ndreo.''9Hoy indreo hoe: ''Melà!'' Hoy evakoa indreo hoe: ''E raiky ity da avy tetoa mba hijanogny ho vahiny, sady izao koa izy va ho lasa mpitsara antsika! Sady amizao da hagnano gne ratsy dato miaraky aminao nohone miaraky amindreo iahay.'' Nanosiky mafy nanohitry an'io lelahy io indreo, nanohitry an'i Lota, sady nagnakeky mba hamaky gne vavarangarany.10Fa gne lelehy nanandratrygne tagnandreo sy nisitoan'i Lota hiditry ao an-dragno hiaraky am'indreo sady nagnidy gne varangara. 11Da gne vahinin'i Lota nagnamavo gne masone lelahy tao ambadike tragno, gne kidy sy gne zakabe, mba hahatonga andreo sahira ndre da miezaky mitadi gne vavarangara indreo.12Nizaka tam'i Lota ireo lelahy hoe: ''Mbola misy olo-kafa me aminao atoa? Vinanto lahy, gne zanaka lahinao sy gne zanaka vavinao, sady gne hanagnanao am'ity tanà ity, da indeso mivôky etoa indreo. 13Fa efa ho ravainao ity toera ity, satria gne fagnasazia iza eo agnatrehan'i Yaveh da mafy lotry da nirahany handrava iza iahay.''14Nandeha Lota sady nampilaza gne vinanto lahiny, gne lelahy efa nampagnantegna hanambadygne zazany vavy, sady nizaka hoe: ''Malaky, melà am'ity toera ity enareo, fa efa ho ravan'i Yaveh ity tanà ity.'' Fa tam'ireo vinanto lahiny da akoigne mianiany izy. 15Vô mangiran-dratsy gn'andro, da nitaraigny tam'i Lota ireo anjely, nizaka hoe: ''Mandihana, indesogne vadinao sy gne zanakao roy vavy gn'etoa, mba tsy ho voripaky koa enao ame famaiza gne tanà.''16Kanefa nirendrè izy. Da azon'ireo lelehy gne taniny, sy tanine vadiny, da miaraky ame tanine zanany roy vavy, satria be famindram-po taminazy i Yaveh. Netidreo niala indreo, sady napetrandreo ivelane tanà. 17Rehefa tavavôky t'ivelany tegny indreo, da nizaka gne raiky tamindreo hoe: ''Mitsokà ho ame gn'ainao! Ka mitodiky, na mijano ame tany manaranara. Mitsoka gny ame vohitry abobe mba tsy ho voaringa enareo.''18Hoy Lota tamindreo hoe: ''Aeky ro tompoko o! 19Efa nahita tsara t'amasonao gne mpanomponao, sady efa nagnambara hatsaram-pagnahy zakabe taminah enao tame namonjenao gn'aiko, kanefa tsy afaky gn'andotsitry agny antendrombohitry iaho, satria hahavoa anah gne loza, sady ho faty iaho. 20Da igny, tanà iriky da akekikeky evao azo hilefa tsara, sady kidy izy io. Tompoko, ao ro iaho mba hilefa ao (tsy kidy mesa io), sady da ho vovonjy gn'aiko.21Hoy izy taminazy hoe: ''alao mesa, ekeko evao iza fangatahanao za, fa tsy hamotiky gne tanà gne nozakainao teo iaho. 22Malaky! Milefa agny, fa tsy afaky agnano ndre ino ndre ino iaho mandra-pahatonganao agny.'' Noho iza gne nangianao gne tanà hoe: Zoara.23Efa niboda tame tany gne masoandro raha avy atao Zoara i Lota.24 Da nandatsaky solifara sy afo avy tagny an-danitry tam'i Sodoma sy Gomora i Yaveh. 25Nopotehiny ireo tanà ireo, sy gne lemaky aby, sy gne vahoky tao ame tanà aby, sady gne raha nitsiry tame tany.26Nefa gne vadin'i Lota, gne t'afarany, nitodiky, sady da lasa vainga-sira izy. 27Nifoha vô maraigny Abrahama da negname teora nitsanganany teo agnatrehan'i Yavah. 28Nitsijo an'i Sodoma sy Gomora sy gne tany lemaky aby izy. Nagnety izy da igny, fa miakatry akoigne setroke laforo zakabe gne setroky avy tame tany.29Sady nandrava gne tany lemaky Andremanitry, da nahatsiaro am'i Abrahama. Nindesiny niala avy tao ategnagnane fandravà i Lota rehefa nandrava gne tanà nomen'i Lota Izy.30Da niakatry avy tao Zoara i Lota mba hipetraky tagny am'ireo tendrombohitry niaraky tame zanany roy vavy, satria nalia gne hipetraky tao Zoara izy. Nipetraky tagnatine lava-bato raiky izy sy gne zanany roy vavy.31Hoy gne vavimatoa tame zandriny hoe: ''efa antitry iabatsika, sady tsy misy lelahy hiaraky mandry amitsika arakigne fanin'izao tontolo izao. 32Avia, andeha hampisotrointsika dovay gne raintsika, sady hiaraky mandry aminazy itsika, mba hafahatsika magnitatry gne tarake raintsika.'' 33Da nampindranomindreo dovay gne rainy tam'io aligny io. Avy teo da niditry gne vavimatoa sady nandry tame rainy; kanefa izy da tsy gne fotoa natoriany, ndre gne nifohazany.34Rehefa nandraigny da nizaka tame zandriny gne vavimatoa hoe: ''Tenomo, natory niaraky tam'iabako iaho lahaly. Ka da ampindranomitsika dovay evakoa izy androany ariva, sady tokony miditry ao enao da matory miaraky aminazy, hafahantsika magnitatry gne taranaky gne raintsika.'' 35Da nampindranomindreo dovay indraiky gne rainy tam'io ariva io, sady nandeha natory niaraky taminazy gne zandriny. Tsy nahafantatry gne natoriany izy, ndre gne nifohazany.36Noho iza da samby nanagn'anaky tame'iabany gne zanaky vavin'i Lota. 37Gne vavimatoa da niteraky lelahy, sady nantsoina hoe Moaba. Izy gne lasa razamben'i Moabita am'izao. 38Ary gne faravavy, da niteraky zaza lelahy evakoa, da nangia anazy hoe Benamy. Lasa razambene tarak'i Amona izy am'izao.
1`Nandeaha niala teo Abrahama da negnagny ame tany Negeva, sady nipetraky t'agnelagnelan'i Kadesa sy Sora. Vahiny nipetraky tagny Gerara izy. 2Nizaka gne mahakasiky an'i Saraha vadiny Abrahama hoe: ''anabaviko izy.'' Noho iza da nandefa gne i Abimeleka mpanjaka'i Gerara sady nalaindreo i Saraha. 3Fa Andremanitry niboda tam'i Abimeleka tame onofy gn'aligny, sady nizaka taminazy hoe: ''Igny, ho faty enao ralelahy nohone viavy nalainao, satria vadin'olo izy.''4Ary Abimeleka tsy mbola nagnakeky anazy da hoy izy hoe: ''Tompo, ho vonoinao koa me ndre da gne firenena marigny aza? 5Tsy izy avao me gne nizaka taminah hoe: 'anabaviko izy?' Ndre izy tegnany aza da nizaka taminah hoe: 'anabaviko izy.' Naniko tame hitsim-poko iza sady tame tagnako tsy manan-tsigny.''6Avy teo Andremanitry nizaka taminazy tame onofy hoe: ''eka, efa fantako koa fa tame hitsim-ponao gne nagnanoanao an'iza, sady efa niarao anao tsy hanota aminah evakoa iaho. Noho iza, tsy namela anao hikasiky anazy iaho. 7Da hono iza, averegno gne vadin-drahalahy, fa mpaminany izy. Hivavaky ho anao izy, sady ho velo enao. Faha tsy averinao izy, da fatàro fa tena ho faty dato enao sy gne rahanao aby.''8Nifoha mandraigny be Abimeleka sady nangaiky gne mpanompony aby ho aminazy eo. Nozakainy tamindreo iza raha aby iza, sady da nalia mafy gne lelahy. 9Avy eo Abimeleka nampangaiky gn'an'i Abrahama da nizaka hoe: ''Ino ity naninao taminay ity? Akory gne nagnotàko tamianao, gne da ninday fahota zakabe t'aminah sy gne fanjakako enao? Naninao taminah gne tsy tokony hany.''10Hoy Abimeleka tam'i Abrahama hoe: ''Ino nanosiky anao hagnano anizao raha zao?'' 11Abrahama nizaka hoe: ''Satria nieritreritry iaho hoe: 'Azo antoky fa tsy misy taotry ame Zagnahary am'ity toera ity, sady hamono anah indreo nohone vadiko.' 12Sady koa, anabaviko dato izy, zanaky vavine raiko, fa tsy zanaky vavine iendriko; sady lasa vadiko izy.13Rehefa nahatonga anah hiala gne tokatragnone raiko sy nampifindrafindra toera anah Andremanitry, da hoy iaho taminazy hoe: 'Tsy maintsy abodanao aminah ame maha-vadiko anao ity fahatokia ity: agny ame toera aby izy alefatsika, da zakay gne momba anah hoe: ''Anadahiko.'''' 14Avy teo nangala ondry sy aomby, andevo lahy sy vavy Abimeleka, sady nagnome iza an'i Abrahama. Avy teo napodiny tagny aminazy i Saraha, vadin'i Abrahama.15Hoy Abimeleka ho: ''Igny, eo alohanao gne taniko. Mipetraha ame mety aminao.'' 16Hoy izy tam'i Saraha hoe: ''Igny, nomeko sekely volafotsy arivo gn'anadahinao. Iza da mba ho tapimaso ame fandikan-dalàgna nanÿ anao t'amasone olo aby iazay miaraky aminao, tena nagnano gne marigny enao.''17Avy teo Abrahama nivavaky tame Zagnahary, sady Zagnahary nagnasitragny an'i Abimeleka, gne vadiny, sady gn'andevo vaviny mba hahandreo mahazo zanaky. 18Satria Yaveh gne nahatonga gne viavy aby tao an-tokatragnon'i Abimeleka ho momba dato, noho i Saraha, vadin'i Abrahama.
1Da t'afaran'ireo raha maro ireo gne notsapaine Zagnahary an'i Abrahama. Hoy Izy taminazy hoe: ''ô Abrahama! Hoy Abrahama hoe: ''Ity iaho.'' 2Hoy Adremanitry avy teo hoe: ''Alay gne zanakao lelahy, gne lahy tokanao, gne tianao, da Isaka, sady indeso agny ame tanin'i Moria. Atolotry agny, atolotry akoigne rakitry dora egny ambonine raiky ame vohitry abo agny, gne hozakaiko anao izy. 3Sady nifoha mandraigny be i Abrahama, nagnisy tady gne borikiny sady nangala tanora lahy roy hiaraky aminazy sy Isaka zanany lelahy. Notapahany gne'hazo ho ame rakitry dora, avy eo da nanomboky gne diany ame toera nozakain'Andremanitry taminazy.4Tame gn'andro fahatelo Abrahama da nitadia sady nahita gne toera avy lavitry. 5Hoy Abrahama tamindreo mpanompony hoe: ''Mijanogna miaraky ame boriky etoa fa iahao sy gne zaza lahy handeha ho egny. Hagnano fanopoa iahay da hipody aminareo etoa indraiky.'' 6Avy eo da nandray gn'hazo ho ame rakitry dora i Abrahama sady nametraky iza tam'Isaka zanany. Nindesiny t'atagnany tegny gn'afo sy gne mesa; sady da niaraky nandeha izy roy.7izaka tam'i Abrahama rainy i Isaka hoe: ''E aba,'' sady hoy izy hoe: ''Itoa iaho rô zanako.'' Hoy izy hoe: ''Iteo, eke gn'afo sy gn'hazo fa aia gn'ondry ho anitsika rakitry dora? 8Da hoy Abrahama hoe: ''Andremanitry mihitsy gn'amatsy ondry ho anitsika rakitry dora, rô zanako.'' Ka da nandeha niaraky izy roy.9Rehefa avy tame toera gne nozakan'Andremanitry anazy indreo da nagnabotry alitara Abrahama sady nametraky gn'hazo t'amboniny. Avy teo da namehy an'Isaka zanany izy sady nametraky enazy t'ambony alitara, ambone hazo. 10Nagnatatry gne tagnany Abrahama sady nangala gne mesa hamonoany gne zanany.11Avy teo da nangaiky anazy avy agny an-dagnitry gn'anjelin'i Yaveh sady nizaka hoe: ''Abrahama, Abrahama!'' da hoy izy hoe: ''Itoa iaho.'' 12Hoy izy hoe: ''Ka magnatatry gne tagnanao ame zaza lelahy io, ndre magnanao raha hatratry anazy satria fantako am'izao fa malia gne Zagnahary enao rehefa hita fa tsy niaro gne zanakao lelahy, gne zanakao lahy matoa, avy aminah enao.''13Nitodiky Abrahama sady igny nisy ondry lahy nisaringotry tamign'ala gne tandrony. Nandeha i Abrahama sady nangala gn'ondry lahy sady nagnano aniza rakitry dora iza ho solone zanany lelahy. 14Ka da nangian'i Abrahama hoe: ''Yaveh gne hamatsy'' gne toera, sady sady nozakay hatram'izao andro zao hoe: ''eny ame tendrombohitri Yaveh gne hamatsy.''15Nangaiky an'i Abrahama fagnindroiny avy agny an-dagnitry gn'anjelin'i Yaveh 16sady nizaka hoe—izao gne fagnambaran'i Yaveh—ame tegnako nagnekeko fa satria nahavita izany raha iza enao, sady tsy nitahy gne zanakao lelahy, gne zanakao lahy toka, 17hitahy anao dato Iaho sady iregny kita ame lagnitry iregny sy akoigne fasiky egny amoron-dranomasy; sady gne taranakao ireo da ho tompone vavahadine fahavandreo.18Gne firenena ambonine tany etoa aby da ho voatahy ame gn'alalane taranakao satria nagneky gne feoko enao.'' 19Noho iza da nipody tam'ireo namany, da nandeha indreo sady nandeha niaraky negnagny Beri-sheba, sady nipetraky tao Beri-sheba izy.20T'afaranigne raha ireo gne nizaka tam'i Abrahama hoe: ''Niteraky zaza tam'i Nahora rahalako koa i Milka.'' 21Da i Oza gne lahy matoany, Boza rahalako, Kamoela iaban'i Arama, 22Kaseda, Hazo, Pildasy, Jidiafa, sady i Betoela.23Sady Betoela niteraky an'i Rebeka. Ireo zaza valo ireo gne naterak'i Milka tam'i Nahora, rahalan'i Abrahama. 24Sady gne vaditsindranony gne nangia hoe Reoma evakoa da niteraky an'i Teba, Gahama, Tahasy ary Meaka.
1Ary d'efa tena antitry dato Abrahama sady notane Zagnahary tame raha aby izy. 2Hoy Abarahama tame mpanompony, gne zokiny indrindra tame fianakaviany sady nanapaky tame raha nanagnany aby hoe: ''apetray eoambanine sbeko gne tagnanao 3sady anio magneky am'i Yaveh, gn'Andremanitre lagnitry sy gne tany enao, mba tsy angala vady ho ane zanako lahy vavy am'ireo gn'agnoremako gne toitroko. Fa andeha hoagny ame fireneko. 4Fa handeha ho agny ame fireneko enao, agny ame gn'havako, da mangalà vady ho an'Isaka zanako lahy.''5Hoy gne mpanompo taminazy hoe: akory raha tsy vonogny gn'andeha hagnaraky anah ho aty am'ity tany ity gne viavy? Tsy maintsy hinday gne zanakao hiverigny agny ame tany nevianao me iaho?'' 6Da hoy Abrahama taminazy hoe: ''mahazo antoky gne tsy hindesanao gne zanako lahy hipody agny! 7Yaveh, gn'andremanitry, gne nangala anah avy tao an-dragnon'iabako sy avy tao ame tanine gn'avako, sady nampagnategna anah tame fagnambara magnetriketriky gne hizakà hoe: 'Omeko ho ane taranakao ity tany ity,' Izy gn'agniraky gn'anjely hitariky anao, sady hahita vady ho ane zanako agny enao.8Saingy raha tsy vonogny gn'agnaraky anao gne viavy, da ho afaky ame fiainako enao. Tsy tokony hinday gne zanako mipody agny evao enao.'' 9Da nametraky gne tagnany tao ambane sben'i Abrahama tompony gne mpanompony, sady nagnambara mikasike raharaha za.10Nangala folo tame ramevane tompony gne mpanompo sady nandeha. Ninday gne karazam-pagnomeza avy tame tomponyaby evakoa izy. Nandeha izy ka lasa tagny ame faritr'i Arama Naharaima, tagny ame tanàn'i Nahora.11 Naniny tegny ivelane tanà fangalan-drano gne rameva. Hariva tam'iza, fotoa fivoahane viavy hangala rano12Hoy izy avy teo hoe: ''Yaveh, Andremanitr'i Abrahama tompoko, omeo anah am'izao gne fanambina saday gne tsy fivadiam-pagneke am'i Abrahama tompoko. 13Io, itoa iaho mitsangana akeky gne loharano etoa, sady sady mivoky mba hangala ranone zanaka vavine gn'olone tanà. 14Ôka ho tanteraky akoizao iza. Rehefa mizaka ame viavy raiky iaho hoe: 'mba hampidigno ro gne sehoanao hafako minindrano,' da mizaka aminah izy hoe: 'mindranoma, sady homeko rano evakoa gne ramevanao,' da ôka ho izy gne raiky gne notendrenao ho an'Isaka mpanomponao. Amiza gn'ahitako fa nampiseho tsy fivadiham-pagneke tame tompoko Enao.''15Sady mbola tsy nahavita nizaka aby me izy, da igny, nivoky niaraky tame fangalan-drano tame lohany i Rebeka. Rebeka da naterak'i Betoela, zanaka lahin'i Milka, vadin'i Nahora, rahalan'i Abrahama. 16Tsara tarehy dato gne zazaviavy sady virijiny. Tsy mbola nisy lelahy nandry taminazy. Nandeha nidigny tegny ame loharano izy da nameno gne sehoany, sady niakatry.17Da niazakazaky mba hiaogny aminazy gne mpanompo sady nizaka hoe: ''Mba omeo rano kidy hindranomiko ame sehoanao rô iaho.'' 18Hoy izy hoe: ''Mindranoma, tompoko,'' sady nampidigniny nalaky ho ame tagnany gne sehoa, da nomeny rano izy.19Rehefa avy nagnome rano hindranominy izy, da nizaka hoe: ''Aangalay rano evakoa gne ramevanao, ambara-pisotrondreo hatrame farany.'' 20Ka da nahidiny nalaky sady noritany gne rano t'agnaty sehoany ho ame tavy findranoma, sady nipody niazakazaky negname fangala rano mba hangala rano izy, sady nangala rano hoane ramevany aby.21Nandiniky anazy moramora gne lelahy mba hahitany raha manamba gne diany Yaveh na tsia. 22Rehefa avy ninindrano gne rameva, da nanomboky kavin'oro volamena milanja asasake sekely, sy ravaky volamena roy faisy ame vozo milaja folo sekely ralelahy, 23sady nagnotany hoe: ''zanaky viavin'ia me enao? Mba zakay anah, misy efitry mba handanianay gn'aligny me gn'andragnon'iabanao ao?''24Hoy izy taminazy hoe: ''zanaka viavin'i Betoela zanaky lahin'i Milka, gne naterany tam'i Nhoraha iaho.'' 25Hoy evakoa izy taminah hoe: ''Ary nangala bozaky sy ahatry maro be evakoa iahay, sady toera ho anareo mba handania gn'aligny.''26Avy teo da nandongaliky ralelahy sady nisaotry an'i Yaveh.27 Hoy izy hoe: ''deray rô Yaveh, gn'Andremanitr'i Abrahama tompoko, gne tsy nahafoy gne tsy fivadiam-pagneke sy gne fahamendre-pitokisany nagnoloa ane tompoko. Raha gn'aminah, da nindesin'i Yaveh mivanta t'andragnone tompoko iaho.''28Avy teo niazakazaky gne zaviavy sady nitantara tame fianakavian'iendriny momba an'iza raha aby iza. 29Sady nana analahy i Rebeka, Labana gn'agnarany. Nihazakazaky negnagny ame lelahy t'andala t'ivelany tegny takeky gne fangalan-drano i Labana. 30Rehefa nahita gne kavinoro sy gne gne firavaky tame vozone gn'anabaviny izy, sady rehefa nahare gne zakane lelahy taminah, ''da negnagny ame lelahy izy, sady igny, nitsanga niaraky tame rameva t'akeky gne fangalan-drano izy.31Da hoy Labana hoe: ''Avia, enao ro votahin'i Yaveh. Nagnino enao gne mitsanga ivelany egny? Efa nagnomagny gne tragno, sady gne toitre rameva iaho.'' 32Ka da niditry t'andragno gne lelahy sady nampidigny gne eta tame rameva izy. Nome bozaky sy ahatry gne rameva, sady nisy rano novatsia hanasa gne tombony sy gne tombone lelahy gne niaraky taminazy.33Nandroso sakafo t'alohany teo hoanindreo, nefa hoy izy hoe: ''tsy hihinana iaho raha tsy efa vozakako gne tokony hambarako.'' 34Da hoy Labana hoe: ''Zakay mesa.'' Hoy izy hoe: ''Mpanompon'i Abrahama iaho. 35Niaro anazy dato Yaveh sady nazary olo mana-be izy. Nagnome anazy ondry miaraky aomby, volafotsy sy volamena, mpanompo lela sy mpanompo viavy sady rameva sy boriky izy.36Saraha, vadine tompoko, da niteraky zaza lelah ho ane tompoko tame fahaterany, sady nomeny anazy aby gne raha nanagnany. 37Nanine tompoko nagneke iaho, tame nizakany hoe: ''Enao tsy mahazo mangala vady ho ane zanako lelahy avy ame zanaky viavine Kananita, gne nanio fipetraha gne taniny. 38Fa da, tsy maintsy mandeha megname fianakavian'iabako enao, sady agny ame havako, da hangala vady ho ane zanako.39Hoy iaho tame tompoko hoe: 'Mety tsy hagnaraky anah gne viavy.' 40Fda hoy koa izy taminah hoe: 'Yaveh, gne nandihanako eo aloha, da hagniraky anjelyhiaraky aminao sady hitahy gne dianao izy, mba hahazoanao vady ho ane zanako lelah eo gn'avako sy gne firazan'iabako. 41Saingy ho afaky ame fianianako enao raha megnagny ame gnavako da tsy hagnome anazy ho anao indreo. Da ho afaky ame fianianako enao.'42Kda avy tame loharano iaho androany, sady nizaka hoe: ''Yaveh ô, Andremanitr'i Abrahama tompoko, ôka rô, raha tena magnano gne hitahia gne diako dato Enao—43 ity iaho, akeky gne loharano etoa—ôka gne zaza lelahy nijotso mangala rano, gne viavy hizakako hoe: mba omeo rano kidy ame sehoanao rô iaho mba hindranomiko,'' 44gne viavy nizaka aminah hoe: ''misotroa, sady hanagala rano hoane ramevanao evakoa iaho,''—ôka ho izy gne viavy gne nosafidinao, rô Yaveh, hoane zanaky lelahine tompoko.''45Raha mbola tsy nahavita nizaka t'am-pony evakoa iaho, da efa, nivoky niaraky tame sehoany t'ambony lohanay i Rebeka sady nandeha nidigny ho eo ame loharano izy da nangala rano. Da hoy iaho taminazy hoe: 'Mba omeo rano rô iaho.' 46Nampidigny nalaky gne sehoany avy tame lohany izy sady nizaka hoe: 'Mindranoma, sady hagnome rano gne ramevanao evakoa iaho.' Ka da ninindrano iaho, sady nagnome rano gne ramevako evakoa.47Nagnotany taminazy iaho sady nizaka hoe: 'Zanak'ia me enao?' Hoy izy hoe: 'Zanaky viavin'i Betoela, zanak'i Nahora, gne naterak'i Milka taminazy.' Da napetrako tame gn'orony gne kavy sady sady tame vozony gne ravaky. 48Avy eo iaho nandongaliky da nankalaza an'i Yaveh, gn'Andremanitry gne tompoko, gne ninday anah tame lala marigny mba hahitako gne zanaky viavine gn'havane tompoko ho ane zanany lelah.49Da am'izao, raha vonogny gne hinday gne tompoko ame fitokiam-pianakavia sy fahamendrem-pitokia enareo, da ambaray aminah. Kanefa raha tsy iza, da zakay enah, mba hitodiako mekavia na mekavana50Avy eo Labana sy Betoela namaly da nizaka hoe: ''Avy am'i Yaveh iza raha za; tsy afaky gne hizaka aminao na ratsy na tsara iahay. 51Igny, aloanao io i Rebeka. Indeso izy sady mandihana, mba ho vadine zanake tomponao, arake nozakain'i Yaveh.''52Rehefa nahare gne zakandreo gne mpanompon'i Abrahama, da nandoaliky tame tany tam'i Yaveh izy. 53Ninday karaza-ndrà volafotsy sy karazan-drà volamelana gne mpanompo, sady raisiky, da nomeny an'i Rebeka aby. Nanolotry fagnomeza sarobidy ho ane gnanalany sy iendriny evakoa izy.54Avy eo da nihina sy ninindrano izy sy gne lelahy gne niaraky taminazy. Nipetraky tao nandritry gn'aly indreo, sady rehefa nifoha nandraigny, da hoy indreo hoe: ''Alefaso agny ame tompoko iaho.'' 55Hoy gn'analahiny sy iendriny hoe: ''Apetray mba hipetraky aminay mandritry gn'andro kidikidy gne zaviavy, mba folo andro farafahakidiny. Afaran'iza da afaky mandeha izy.''56Fa hoy izy tamindreo hoe: ''Ka tazomy iaho, satria nitahy gne lalako Yaveh. Alefaso ame lalako iaho mba hafako mandeha agny ame tompoko.' 57Hoy indreo hoe: ''Hangaiky gne zaviavy iahay sady hagnotany anazy.'' 58Ka da nangaiky an'i Rebeka indreo sady nagnotany taminazy hoe: ''Handeha hiaraky am'io lelahy io me enao?'' Da namaly izy hoe: ''Handeha iaho.''59Da nalefandreo tame diany niaraky tame mpanompon'i Abrahama sy gn'olo i Rebeka anabaviny, niaraky tame mpanompo viaviny. 60Nitso-drano an'i Rebeka indreo, sady nizaka taminazy hoe: ''E ranabavy, ho iendrine aman'arivone sy aman'aliny aza enao, sady ho tompone vavahane malaigne anazy gne taranakao.''61Avy teo nitsanga Rebeka, da nipitiky gne rameva izy sy gne mpanompo viaviny, sady nagnaraky gne lelahy. Da nindesine mpanompo i Rebeka, sady lasa tame lalany izy. 62Da nipetraky tagny megeva Isaka, sady vô niverigny avy tagny Bera-lahai-roy.63Nandeha nivôky hariva mba hivavaky tagny an-tonda Isaka. Rehefa nendrandra izy da nahita, igny, nisy rameva nagnato! 64Nitangiriky Rebeka, sady rehefa an'i Isaka izy, da nitsambiky nidigny avy tame rameva. 65Hoy izy tame mpanompo hoe: ''Ia igny lelahavy avy lahatagny ame tonda mitsena atsika igny? Namaly ilay mpanompo hoe: ''Igny gne tompoko.'' Da nalain'i Rebeka gne voaliny, sady norakofany gne tegnany.66Namerigny nitantara tam'Isaka gne raha naniny mpanompo. 67Sady ninday anazy tao ame koborin'i Saraha reniny i Isaka da nangala an'i Rebeka, da lasa vadiny izy, sady tiany. Da nionogny Isaka tafarane fahafatesan-dreniny.
1Nangala vady hafa Abrahama; Ketora gn'agnarany. 2Niteraky an'i Zamrana, Joksana, Medana, 3Jisbaka da i Soaha izy. Joksana niteraky an'i Sheba sy Dedana. Io taranak'i Dedana da olo Asorima, olo Letosima, sady Leomima. 4Efaha gne zanaky lelahan'i Midiana, Efera, Hanoka, Abida da i Eldaha. Io aby gne taranak'i Ketora.5Nomen'i Abrahama an'Isaka gne nanagnany aby. 6Fa da, tam'izy mbola velo, da nagnome fagnomeza ane zanake vaditsindranony sady nandefa andreo tagny ame tany atsignana, lavitren'Isaka zanany.7Sady gn'andro niaignan'i Abrahama da 175 tao. 8Niala aigny Abrahama da maty tratre fahanterany, lelahy voky andro, sady da nalagno ho agny ame gn'olo izy.9Isaka sy Ismaela, zanany lelahy, gne nandevy anazy tagny ame lava-baton'i Makpela, tame tanin'i Efrona zanak'i Zoara Hetita, gn'akekigne Mamre. 10Novidin'i Abrahama tame zanaky lelahan'i Heta iza tany iza. Nalevy niaraky tagny tam'i Saraha vadiny i Abrahama. 11T'afarane nahafatesan'i Abrahama, da nitahy an'Isaka zanany lelahy Andremanitry, sady Isaka nipetraky nagnakeky an'i Bera-lahai-roy.12Da itoa gne taranak'Ismaela, zanak'i Abrahama, gne naterak'i Agara Egyptiana, mpanompon'i Saraha, tam'i Abrahama.13Itoa aby gnagnarane zanak'Ismaela, arake filaharane fahaterahany: Nabaiota—gne lahamatoan'Ismaela, Kedara, Adbela, 14Mibsama, Masmà, Domà, Masa, 15Hadada, Tema, Jetora, Nafisy, sady i Kedma. 16Io aby gne zanaky lelahan'Ismaela, sady io gnagnarandreo, arake tanàny, sy gne toby misy andreo; andrian-dahy roy amby folo arake fokondreo.17Gn'andro niaignan'i Ismaela da 137 tao: niala aigny izy da maty, sady da nalagno ho agny ame gn'olo izy. 18Nipetraky tagny Havila da hatragny Sora indreo, gne nagneky an'i Egypta, gne raiky da negnagny Asyria. Niaigny tame fifankahala indreo.19Itoa aby gne tranga nahazo an'Isaka, zanaky lelahan'i Abrahama. 20Efapolo tao Isaka raha nangala vady an'i Rebeka izy, gne zanaky viavin'i Betoela gne Syrian'i Pandan-Arama, gnanabavin'i Labana Syriana.21Nivavaky tam'i Yaveh ho ane vadiny i Isaka satria momba izy, da namaly gne vavaky naniny Yaveh, da bevoky Rebeka. 22Nietsiky gne zaza t'antrokiny, da nizaka izy hoe: ''nagnino iza gne miseho aminah?'' Da nandeha nagnotany an'i Yaveh gne mikasiky en'iza.23Nizaka taminazy Yaveh hoe: ''Frene roy gn'ame trokinao ao, sady vahôky roy gne ho sara avy ao agnatinao. Gne vahôky raiky da mafimafy evao gne hafa, da gne zokiny hanompo gne zandriny.''24Rehefa avy gne fotoa hahaterany, da igny, nisy kamba tao an-trokiny. 25Nivôky gne zaza volohany sady da mena tateraky akoigne lamba voloina. Esao gne nangiandreo anazy. 26T'afaran'iza, da nivôky gne rahalàny. Nitazogny gne tombon'i Esao gne tagnany. Jakoba gne nangia anazy. Enipolo tao Isaka raha niteraky andreo gne vadiny.27Da nitombo ireo zaza reo, sady lasa piremby mahay Esao, lelahy raiky mpamboly; kanefa Jakoba da lelaha tsy be resaky, gne nandany gne foata tao andragno. 28Sady da i Esao gne tian'Isaka satria nihina gne biby voazany izy, fa i Jakoba kosa gne tian'i Rebeka.29Da nahandro sakafo i Jakoba. Da avy tagny atonda Esao, sady nalemine mosary izy. 30Hoy Esao tam'i Jakoba hoe: ''Mamelà anah ihina an'ity hany masaka ity. Mengavy rô, fa valaky lotry iaho!'' Iza gn'antone izaka gn'agnarany hoe Edoma.31Nizaka i Jakoba hoe: ''Avidio aminah aloa gne rembinao.'' 32Da hoy Esao hoe: ''Iteo, fa efa ho faty iaho. Ino gne tsara azoko ame remby?'' 33Da nizaka Jakoba hoe: ''Magnanoa fagnekè aminah aloa,'' da nagnano fagnekè taminazy i Esao sady tam'iza da nivarotre rembiko tam'i Jakoba izy. 34Nomen'i Jakoba mofo sy sakafo vita ame vagnemba i Esao. Nihina sy ninindrano izy, ary avy teo da nitsanga da nandeha. Tam'iza fombaiza gne nagnanoa Esao tsinotsino gne rembiny.
1ehefa mavozo Isaka da tapà gne masony da tsy mahita izy, sady nampangaiky an'i Esao, zanany lelah matoa izy, da nizaka taminazy hoe: ''E zanako.'' da hoy izy taminazy hoe: ''Itoa iaho.'' 2Da hoy izy hoe: ''Tenomo tsara, efa mavozo iaho. Tsy fantako gn'andro hahafatesako.3Noho iza, da reso itoa fitôvam-pedianao itoa, gne flesinao sady gne balanao, da mandehana agny an-tonda da mirembèha bibi-dy ho anah.4 Handrahoy sakafo matsiro, ame tena tiako iaho, sady indeso aty iza mba hafako oma en'iza sy hagnomezako tso-drano anao alohane hahafatesako.5Da ren'i Rebeka iza rehefa niresaky tam'i Esao zanany lelahy i Isaka. Negna'an-tonda i Esao mba hiremby bibi-dy sady inday an'iza hody. 6Nikorà tam'i Jakoba zanany i Rebeka sady nizaka hoe: ''Tenomo tsara, reko iabanao nikorà tam'i Esao rahalanao. Hoy izy hoe: 7'Indeso remby iaho sady hagnamboaro nahandro matsiro, mba hafako oma an'iza sy hagnomezako tso-drano anao eo agnatrehan'i Yaveh alohane hahafatesako.'8Da noho iza, rô zanako, da ekeo gne zakako arake gnadidiko anao.9 Mandihana megnagn'ondry miarak'osy, da angalay zanak'osy roy tsara iaho; da hagnano nahandro matsiro am'ireo ho an'iabanao, akoigne tiany. 10Sady hindesinao megname rainao iza, mba hafany mihina iza, da hagnomezany tso-drano anao alohane hahafatesany.''11Nizaka tam'i Rebeka reniny i Jakoba hoe: ''iteo, Esao rahalako da lelahy voloina, fa iaho da lelahy malama hoditry. Mety hikaky enah iabanao, da ho fantany fa mamitaky anazy iaho.12 Hinday hozogny ame tegnako iaho fa tsy tso-drano.''13Hoy iendriny taminazy hoe: ''Zanako, aleo gne rainao hagnozogny anah. Araho fotsiny gne zakako, da mandihana, indeso aty aminah indreo.'' 14Da nandeha nangala gne zanak'osy i Jakoba sady ninday enazy tam'iendriny, da nagnano nahandro matsiro iendriny, akoigne itiavan'iabany anazy.15Nalain'i Rebeka gne raisikin'i Esao tsara indrindra, gne voloan-dazany, gne niaraky taminazy tao an-dragno, sady nampisikininy an'i Jakoba, gne farahan-dazany. 16Napetrany tegny ame tagnany sy gne faritry malama egny ame vozony gne darone zanak'osy. 17Napetrany t'antagnan'i Jakoba zanany gne nahandro matsiro sy gne mofo gn'efa nokarakarainy.18Negnam'iabany i Jakoba da nagnano hoe: ô aba! Hoy izy hoe: ''itoa iaho; ia me enao, zanako?'' 19Hoy Jakoba tam'iabany hoe: ''Esao voloan-dazanao; efa vitako gne naninao naniko. Mipetraha da homàna gne rembiko, mba hitsofanao rano anah.''20Hoy Isaka tame zanany lelahy hoe: ''akory gne nahitanao iza t'agnatine fotoa foho zanako?'' Hoy izy hoe: ''satria Yaveh Andremanitrao gne ninday an'iza taminah.'' 21Da hoy Isaka tam'i Jakoba hoe: ''magnatogna akekiko etoa mba hafako mikasiky anao, rô zanako, da hahafantaranao marigny raha tena Esao marigny enao na tsy izy.''22Ngnato an'Isaka rainy i Jakoba; sady nikasiky anazy Isaka da nizaka hoe: ''Gne feo da feon'i Jakoba, fa gne tanà da an'i Esao.'' 23Tsy nahalala anazy Isaka, satria voloina gne tagnany, akoigne tagnan'i Esao rahalany, da nitso-drano anazy Isaka.24Hoy izy hoe: ''Tena Esao marigny enao me?'' Namaly izy hoe: ''Iaho dato itoa.'' 25Hoy Isaka hoe: ''Arosoy aminah etoa gne sakafo fa hoaniko gne rembinao, mba hafako mitso-drano anao.'' Nindesin'i Jakoba t'aminazy tegny gne sakafo. Da nihina Isaka, sady nindesan'i Jakoba dovay izy, da ninominy.26Avy teo da hoy Isaka rainy taminazy hoe: ''Magnàtogna akeky enah etoa mesa da horofo iaho, zanako.'' 27Nagnato i Jakoba da nagnoroky anazy, sady da niteno gne fofone lambany izy da nitso-drano anazy. Hoy izy hoe: ''Io gne fofone zanako da akoigne fofone tany notahin'i Yaveh.28Andremanitry aza hagnome anjara anao ame gn'anone lagnitry, anjara ame tsirone tany, sady voany sy divay vaovao maro.29Hanompo anao aza gn'olo sady handoaliky agn'atrehanao gne firene. Ho tompone rahalanao enao, sady handongaliky agnatrehana eo aza gne zanak'iendrinao. Ho vôhozo gne nagnozo anao; sady ho arova aby gne nitso-drano anao.''30Igny avy nitso-drano an'i Jakoba igny i Isaka, da nivôky tame tahatry niala teo ame fahafatesan'iabany i Jakoba, sady nipody avy niremby i Esao rahalany. 31Nagnao sakafo matsiro evakoa izy sady ninday iza tagny am'iabany. Hoy izy tam'iabany hoe: ''ô aba, mifohaza sady mihinàna am'ireto rembiko reto, mba hahafanao mitso-drano anah.''32Hoy Isaka rainy hoe: ''Fa ia enao?'' Hoy izy hoe: ''gne zanakao avao, gne vôloan-dazanao, Esao.'' 33Nangitakitaky mafy Isaka sady nizaka hoe: ''fa ia gne niremby gn'osy sady ninday eniza taminah taty? Nohaniko aby iza t'alohane nevianao, sady efa nitso-drano anazy iaho. Da ho tahy dato izy.''34Rehefa nahare ireo zakan'iabany ireo i Esao, da notagny mafy be, sady nizaka tam'iabany hoe: ''Tsofo-rano evakoa iaho, rô aba.'' 35Hoy Isaka hoe: ''Gne rahalanao gn'efa avy namitaky anah tetoa nangala gne tso-dranonao.''36Tsy izy me gnangia hoe Jakoba? Fa izy da efa namitaky anah indroy. Efa nalainy gne maha voloan-daza anah, sady izao da mbola nalain evakoa gne tso-drano tokony ho anah.'' Hoy izy avy teo hoe: ''Tsy mba misy tso-drano efa vôtokanao ho anah ?'' 37Namaly Isaka sady nizaka tam'i Esao hoe: ''Igny, efa natolotroko ho tomponareo izy sady efa natolotroko ho tompone rahalany, sady efa nomeko anazy gne voany sy gne dovay vaovao. Ino gne mbola afaky aniko anao, rô zanako?''38Hoy Esao tam'iabany hoe: ''Tsy mba mana tso-drano ndre da raiky ho anah zany enao, rô abako? Tsofo rano evakoa iaho, rô aba.'' Notagny mafy Esao.39Namaly Isaka rainy sady nizaka taminazy hoe: ''Io, gne toera misy anao da lavitry gne tany mamokatry, lavitry gn'an-done lagnitry ambony. 40Ame gn'alalane sabatrao gn'hivelomanao, sady hanompo gne rahalanao eanao. Fa rehefa mitokogny enao, da hangala gne tegnanao ame fitondrà.''41Nalaigny an'i Jakoba i Esao nohone tso-drano nomen'iabany anazy. Nizaka t'ampony tao Esao hoe: ''Magnakeky gn'andro fisaona gne raiko; afarn'iza da ho voniko Jakoba rahalako.'' 42Gne zanak'i Esao voloan-daza da notantaray tagny am'i Rebeka. Ka da nampangaiky an'i Jakoba faran-daza izy sady nizaka hoe: ''Igny, Esao rahalanao da mampiomagny ame fikasà hamono anao.43Da noho iza, zanako, haray gne zakako sady mandosira agny am'i Labana, analako, ao Harana. 44Mijànogna miaraky aminazy ame fotoa foho, mandram-pihenane avognirane rahalanao, 45mandra-paha-afaky gne avognirane rahalaao aminao, da hagnadinoany gne naninao tamonazy. Aniko akory gne hamoy anareo agnatine gn'andro raiky?46Hoy Rebeka tam'Isaka hoe: ''Vignitry mafy iaho nohone zanaka viavine Hetita. Raha mangala vady ame raikyam'ireo zanaka viavine Hetita i Jakoba, akoigne viavy mipetraky am'io tany io, da ino gne tsara ho anah ame fiainako?''
1Da nangian'Isaka i Jakoba, notso-drano anazy, sady nandidy enazy hoe: ''Tsy mahazo mangala vady ame viavy Kananita enao. 2Mitsangàna, da mandiana agny Padana-Arama, ho agny ame teranak'i Betoela iaban'iendrinao, da mangalà vady agny, raiky am'ireo zanaka viavin'i Labana, analan'iendriny.3Andremanitry zakabe aza gne hitahy anao, hampamokatry anao sady hagnamaro anao, mba hahatonga anao hofirene maro.4 Da homeny anao aza gne tso-dranon'i Abrahama, ho anao, sy ho ane taranakya mandimbinao, mba handovanao gne tany efa nomè anao, gn'efa nomene Zagnahary an'i Abrahama.''5Da nampandihan'Isaka i Jakoba. Negnam'i Padana-Arama i Jakoba, ho agny am'i Labana zanak'i Betoela Syriana, analan'i Rebeka, iendrin'i Jakoba sy Esao.6Da hitan'i Esao fa notsofin'Isaka rano Jakoba sady nampodiny tagny Padana-Arama, mba hangala vady agny. Nahita evako izy fa nitso-drano sy nagnome beko anazy i Isaka, nagnambara hoe: ''Tsy mahazo mangala vady avy agny Kanàna enao.'' 7Hitan'i Esao evakoa fa nagneky en'iabany sy iendriny Jakoba, sady nandeha tagny Padan-Arama.8Da hitan'i Esao fa tsy nankasitraky gne viavy avy agny Kanàna i Isaka rainy. 9Da akôtre gne vady efa nanagnany, da lasa izy negnagny am'Ismaela, sady nangala an'i Mahalota, zanaky viavin'Ismaela, Zanak'i Abrahama, anabavin'i Neboiota mba ho vadiny.10Niala tao Beri-sheba i Jakoba da negnagny Harana. 11Da avy teo ame toera raiky izy da nijanogny gn'ariva raiky, satria efa tolaky gne masoandro. Nangala tame vato raiky teo ame toera iza izy, naniny honda, da nitsilagny tame toera teo izy natory.12Nagnonofy izy da nahita tohatry nipetraky tame tany. Nipaka tagny an-danitry gne lohany ary da niakatry sy nidigny tam'iza gn'anjelin'Andremanitry. 13Igny, Yaveh nitsanga t'ambon'iza sady nizaka hoe: ''Iaho Yaveh, Andremanitr'i Abrahama rainao, sy Andremanitr'Isaka. Gne tany hatorianao io, da homeko anao sy gne taranakao.14Ho akoigne vovoky ame tany gne taranakao, sady da hiparitaky lavitry hatragny akandrefa, da hatragny atsignana, hatragny avaratry, ka hatragny atsimo enao. Amign'alalanao sy gne taranakao gn'hitahia gne fianakavia ambony tany etoa aby. 15Ao, fa hitahy anao Iaho, sady hiaro anao ndre aia ndre aia handehananao. Hinday anao am'ity tany ity indraiky Iaho. Ho aniko aby gne nampagnategnako anao.''16Nifoha tame toromasony i Jakoba, da hoy izy hoe: ''azo antoky dato fa eto am'itoa toera toa Yaveh, fa iaho gne tsy nahafantatry.'' 17Nalia izy da nizaka hoe: ''Tena mampalia ity toera ty! Tsy da ino lotry fa tragn'Andremanitry ity. Ity gne vavahadine lagnitry.''18Nifoa nandraigny i Jakoba da nangala gne vato naniny onda izy. Naniny tsangam-bato iza sady nandrarany menaky t'ambon'iza. 19Sady da nangiany hoe Betela gn'agnaran'iza toera 'za, fa Lozy gn'agnaran'iza tanà 'za taloha.20Da nagnano voady i Jakoba, nizaka hoe: ''Raha miaro sy mitahy anah am'ity lala andihanako ty gne Zagnahary, da hagnome mofo hoany, sy akanjo hisiky, 21mba hafako mipody sômatsara agny ame tragn'iabako, da Yaveh gn'Andremanitroko. 22Sady ho lasa vato masigny ity vato nahoriko ho tsangam-bato 'ty. Gne raha omenao anah aby da hapodiko aminao aby gn'ampahafolony.''
1Rehefa hitan'i Rahely fa tsy nagnome anaky anazy i Jakoba, da nialogny gne rahavaviny Rahely. Nizaka tam'i Jakoba izy hoe: ''Omeo zanaky iaho, raha tsy iza da ho faty iaho.'' 2Nagnadary gnavogniran'i Jakoba tam'i Rahely. Hoy izy hoe: ''Izy io me kô iaho gn'ame toerane Zagnahary, gne nitazogny anao tsy hanagn'anaky?''3Hoy izy hoe: ''Io, ity gne mpanompoko Bila. Matoria miaraky aminazy, mba hahafany miteraky zaza ho eo an-kamberako, da hanagnako zanaky avy aminazy.'' 4Da nomeny anazy ho vadiny i Bila mpanompo vaviny, sady Jakoba natory niaraky taminazy.5Bevoky sady niteraky zaza lelahy ho an'i Jakoba Bila. 6Da hoy Rahely hoe: ''Nitsara tame fankasitrahako Andremanitry. Niteno gne vavaky naniko Izy sady nagnome zanaka lelahy anah.'' Noho iza antony iza gne nangiako gn'agnarany hoe Dana.7Bila mpanompon'i Rahely, da bevoky indraiky sady niteraky zanaky lelahy faharoa ho an'i Jakoba. 8Hoy Rahely hoe: ''Tame gn'ady mafy gne nediako tame rahavaviko sady nandrèseko.'' Nangiany hoe Naftaly gn'agnarany9Rehefa hitan'i Lea fa tena tsy nanagn'anaky izy, da nalainy Zilpa, mpanompo viaviny, sady nomeny ho vadin'i Jakoba. 10Zilpa, mpanompon'i Lea, da niteraky zanakya lelahy hoan'i Jakoaba. 11Hoy Lea hoe: ''Vintana ity!'' Da nangiany hoe Gada gn'agnarany.12Avy teo Zilpa, mpanompon'i Lea, niteraka zanaky faharoy hoan'i Jakoba. 13Hoy Lea hoe: ''Sambatry iaho! Fa gne zanaky viavy hangaiky enah hoe sambatry.'' Da nangiany hoe Asera gn'agnarany.14Nandeha tamign'androne filam-bary Robena sady nahita dodaima t'an-tonda. Nindesiny tam'i Lea reniny ireo. Da hoy Rahely tam'i Lea hoe: ''Omeo asasany ame dodaimane zanakao lelahy io iaho. 15Hoy Lea taminazy hoe: ''Olana kidy aminao me, gne nangalanao gne vadiko? T'angala gne dodaimane zanakao lelahy evakoa aza enao io? Hoy Rahely hoe: ''Da hiaraky atory aminao izy hariva, ho takalone dodaimane zanakao lelahy.''16Avy tagny an-tonda Jakoba tamign'hariva. Nijotso Lea mba hiaogny taminazy sady nizaka hoe: ''Tsy maintsy miaraky matory aminah enao hariva, fa nofaiko tame dodaimane zanakao lelahy enao. Da niara-natory tam'i Jakoba Lea gn'hariva. 17Niteno an'i Lea Andremanitry, da bevoky sy niteraky zaza lelahy faha dimy hoan'i Jakoba izy. 18Hoy Lea hoe: ''Nomene Zagnahary anah gne karamako, satria nagnome gne mpanompo vaviko ho ane vadiko iaho.'' Nangiany hoe Isakaragn'agnarany.19Bevoky indraiky koa Lea sady niteraky zaza lelahy faha-enina ho an'i Jakoba. 20Hoy Lea hoe: ''Nomene Zagnahary fagnomeza tsara iaho. Izao da hagnome voninahitry anah gne vadiko, satria niteraky zanaky lelahy enina ho anazy iaho.'' Nangia hoe Zebolona gn'agnarany. 21Rehefa afaky iza da niteraky viavy izy sady nangia hoe Dina gn'agnarany.22Nahatsiaro an'i Rahely Andremanitry sady niteno anazy. Nampana-gnanaaky anazy Izy. 23Bevoky da niteraky zaza lelahy izy. Hoy izy hoe: ''nalane Zagnahary gne hegnatro.'' 24Nangiany hoe Josefa gn'agnarany, da nagnano hoe: ''Nagnampy zanaky lelahy raiky hafa ho anah Yaveh.''25T'afarane niterahani Rahely an'i Josefa, da nizaka tam'i Labana Jakoba hoe: ''alefay iaho, mba hafako mandeha megname tragnoko sy agny ame tanàko. 26Omeo anah gne vadiko sy gne zanako gne ho anazy gne nanompoako anao, sady avelay iaho handeha, fa enao mahalala gne fanompoa naniko.''27Hoy Labana taminazy hoe: ''Raha mahita fankasitrana amasonao eo iaho am'izao, da diaso, satria fatako tame fampesa sikidy fa hitahy anah nohon'enao i Yaveh. 28Da hoy izy hoe: ''Zakay hoe otrino gne karamanao, da haloako ireo.''29Jakoba nizaka taminazy hoe: ''fatatrao gne fomba nanompoako anao, sy gne fomba nitomboane biby fiompinao niaky taminah. 30Fa kidy gne nanagnanao talohanigne neviako, sady nitombo be lavitry iza. Nitahy anao Yaveh na taia na taia niasako. Sady ovia iaho gne niteza hoane tokatragnoko koa?''31Da hoy Labana hoe: ''Ino gn'aloako aminao?'' Hoy Jakoba hoe: ''Tsy hagnome ndre ino ndre ino enah enao. Raha hagnano an'izao raha zao ho anah enao, da hamaha gne biby fiompinao sady hiamby en'iza indraiky iaho. 32Avelay iaho hagnavakavake biby fiompinao aby androany, hangala gn'ondry misy tebitebiky sy sada aby am'izay, sady gne mity aby eo amign'ondry, sady gne sada sy gne misay tebitebika amign'osy. Iza gne karamako.33Gne tsy fivadiako gne ho vavolombelo ho anah agny afara agny, rehefa hagnety gne karamako enao. Gne tsy misy tebitebiky sy sada amign'osy, sady tsy mity amign'ondry, raha misy hita aminah aty, da ahany akoigne nangalary.'' 34Hoy Labana hoe: ''Magneky iaho. Ôka mba ho akoigne zakanao za.''35Tam'io andro io Labana da nangala gn'osy sadasada sy tena sada, da gn'osy vavy aby gne misy tebitebiky sy sada, gne nisy fotsy taminazy, sady gne mity aby tamign'ondry, da ngnome an'ireo ho an-tagnane zanany lelahy. 36Nagnisy lalan-kateloana t'agnelagnelany sy Jakoba evakoa i Labana. Noho iza da nijànogny niandry gn'ambine biby fiompin'i Labana i Jakoba.37Nangala angira mbola tsorany i Jakoba, sy tame hazo amygdala sy hazo planata, sady da nofasany, da naniny gne hapiboda fotsy gn'agnatin'io angira io. 38Da napetrany taloane biby fiompy io angira nofasany io, t'alohane tavy mariny gne fisotroan-drano gne nandianany hindrano. Nanagn'anaky indreo rehefa avy nindrano.39Niteraky t'aloane gn'angira ireo biby fiompy; da niteraky sadasada, sada, sady nisy tebitebiky. 40Nosarahan'i Jakoba ireo zanak'ondry 'reo, fa nagnano gn'ambine biby nifagnatriky tam'ireo sy gn'ondry mity aby tame biby fiompin'i Labana. Da nosarany ho anzy raiky gne biby fiompiny da tsy nakambany niaraky tame gnan'i Labana.41Ndre ovia dre ovia niterahane gn'ondry matazaky tame biby fiompy, da nampandrin'i Jakoba tame tavy findranoma t'aloane masone biby fiompy gn'angira, mba hafandreo miteraky eo amign'angira. 42fa rehefa avy gne biby osa tam'ireo biby fiompy, da tsy nametraky gn'angira t'aloandreo. Da an'i Labanaa gne biby osa, sady an'i Labana gne mafy.43Lasa nana-karena be ralelahy. Nanagnany aby gne biby fiompy be izy, mpanompo viavy sy mpanompo lelahy, sady rameva sy ampondra.
1Nandeha tame lalany evakoa Jakoba, da niagny taminazy gn'anjelin'Andremanitry. 2Rehefa nahita andreo Jakoba, da hoy izy hoe: ''Ity gne tobin'Andremanitry,'' da Mahanaima gne nangiany an'iza toera iza.3Nandefa mpinday hafatry t'alohany Jakoba mba ho agny am'i Esao rahalany agny ame tanine Seira, agny ame faritr'i Edoma. 4Nibeko andreo izy, nizaka hoe: ''Izao gne zakainareo am'i Esao tompoko: ''Izao gne nozakain'i Jakoba mpanomponao hoe: 'Efa niaraky nipetraky tam'i Labana iaho, sady nagnemotry gne fodiako hatram'izao. 5Mana aomby, boriky, ondry miarak'osy, sady mpanompo lahy sy mpanompo vavy iaho. Nandefa ity hafatry ity tagny ame tompoko iaho, mba hazoako dera amasonao eo.'''6Nipody tagny am'i Jakoba gne mpinday hafatry sady nizaka hoe: ''Nandeha tagny am'i Esao rahalanao iahay. Ho avy hiaogny aminao izy, sady efazato lahy gne hiaraky aminazy.'' 7Da nalia mafy sady nihorohoro i Jakoba. Da nozarainy gne vahôka niaraky taminazy mba ho atoko roy, sady koa gn'ondry miarak'osy, aomby, rameva. 8Hoy izy hoe: ''Raha avy amign'atoko raiky i Esao ka manafiky en'iza, da ho afaky mitsoky gn'atoko raiky ambiny.''9Hoy Jakoba hoe: ''E Andremanitr'i Abrahama raiko, sy Andremanitr'Isaka raiko, Yaveh, gne nizaka taminah hoe: 'Modia agny ame taninao sy gne'havanao, ary Iaho hiaro anao,' 10tsy mendriky gn'asane fagnèky matoky sy gne fahamendreham-pitokisa aby gne naninao ho ane mpanomponao iaho. Fa gn'angirako gne nindesiko nitsaky ity Jordana ity, sady am'izao efa lasa atoko roy iaho.11Mba vonjeo ame tanane rahalako, gne tagnan'i Esao iaho, fa malia anazy iaho, da ho avy izy hanafiky anah sy gne reny miaraky ame zaza. 12Kanefa Ianao nizaka hoe: 'Hotahiko dato enao. Haniko akoigne fasike ranomasy gne taranakao, da tsy ho azo isay.''13Nipetraky teo Jakoba tamign'hariva igny. Nangala gne sasany taigne nanagnany niaraky taminazy izy ho fagnomeza an'i Esao rahalany: 14osy vavy rozato, osy lahy ropolo, ondry vavy rozato, ondry lahy ropolo, 15rameva be ronono telopolo da gne zana-borikindreo, aomby vavy efapolo sy aomby lahy folo, ampondra vavy ropolo sady ampondra lahy folo. 16Natolotriny ireo mba ho eoan-tagnane mpanompony, gn'andiany tsiraikiraiky aby. Nizaka tame mpanompony izy hoe: ''Mandihana aloako eo sady iseo elagnelany isake an-diam-biby.''17Nagnome fagnitsia gne mpanompo voalohany izy, nizaka hoe: ''Rehefa nifakanendriky aminareo Esao rahalako ka magnotany anareo, mizaka hoe: 'Olon'ia enareo? Ho aia enareo? An'ia ireo biby aloanareo 'reo?' 18Da hizaka enareo hoe: 'An'i Jakoba mpanomponao ireo. Ireo da fagnomeza nalefa ho an'i Esao tompoko. Ao, afara ao evakoa izy.'''19Nagnome toromariky gn'atoko faharoy, gne fahatelo, ary gne lelahy magnaraky gn'andiam-biby aby koa i Jakoba. Hoy izy hoe: ''Hizaka raha mitovy am'i Esao enareo rehefa mifakanendriky aminazy. 20Tsy maintsy mizaka evakoa enareo hoe: 'Jakoba mpanomponao da avy afaranay ao.''' Fa nievitry izy hoe: ''Hampangigny anazy ame fagnome gn'alefako eo aloako iaho. Sady avy eo, rehefa hitako izy, da angamba mety handray anah izy.'' 21ka da nalefako aloha andreo gne fagnomeza. Izy tegnany nijanogny tao ame toby igny hariva igny.22Nifoha i Jakoba nandritry an'igny aligny igny, sady nangala gne vadiny roy, da gne zaza viaviny roy, da gne zanany lelahy raiky ambifolo. Nalefany tagny ampitane fitsàkian'i Jakoba indreo. 23Tamin'io gne nagnampitany andreo t'ampitane rano mandeha niaraky tame fanagnany aby.24T'avela raiky Jakoba, sady nisy lelahy raiky nitologny taminazy mandra-parandraign'andro. 25Rehefa hitane lelahy fa tsy haharesy anazy izy, da novangoiny fiky gne sben'i Jakoba. Naratry gne sben'i Jakoba raha nitolo anazy izy. 26Nizaka ilay lalahy hoe: ''Aleo iaho andeha, fa efa hangiran-dratsy gn'andro.'' Nizaka i Jakoba hoe: ''Tsagnambela anao handeha iaho raha tsy mitso-drano anah enao.''27Da hoy ilay lelahy taminazy hoe: ''Ia me gn'agnaranao?'' Namaly Jakoba hoe: ''Jakoba.'' 28Hoy ilay lelahy hoe: ''Gn'agnaranao da tsy ho Jakoba etsanaky, fa Israely. Satria enao da nitolo tamign'Andremanitry sy tame vahôky sady efa nandresy.''29Nagnotany anazy Jakoba hoe: ''mba zakay anah tompoko gn'agnaranao.'' Hoy izy hoe: ''Nagnino enao gne magnotany gn'agnarako? ''Avy teo da nitso-drano anazy teo izy. 30Jakoba nangaiky gn'agnaran'ilay toera hoe Peniela satria hoy izy hoe: ''Efa nifagnatriky tare tame Zagnahary iaho, sady avotry gn'aiko.''31Niposaky gne masoandro raha nandalo an'i Peniela i Jakoba. Nitongaitry izy nohone sbeny. 32Iza gn'antony tsy hinanane vahôkan'Israely gn'ozatre sbé gn'ame fitohizane sbé hatram'izao, satria nandratry gn'ozatriny ilay lelahy raha namparatry gne sbén'i Jakoba.
1Hoy Zagnahary tam'i Jakoba hoe: ''Mitsangàna, mandihana miakatry agny Betela sady mipetraha agny. Magnamboara alitara agny ho ane Zagnahary, gne niboda taminao nilefa an'i Esao rahalanao igny.'' 2Da nizaka tame fianakaviany i Jakoba sy gn'olo niaraky taminazy hoe: ''Apetray gne zagnahary hafa eo aminareo, diovy gne tegnanareo, da soloy gne raisikinareo. 3Aska itsika handeha hoagny Betela. Hagnambôtry alitara agny iaho ho ane Zagnahary, gne nitahy anah tame gn'andro fahoriako sy niaraky taminah evao ndre taia ndre taia nandihanako.''4Da nomendreo an'i Jakoba gne zagnahary hafa tamindreo tegny, sy gne kavy tame sofindreo tegny. Navelan'i Jakoba t'ambanine hazoteribina akeken'i Sikema ireo. 5Raha nandeha indreo, da nandatsahane Zagnahary horohoro tany tame tanà magnodidy andreo, da tsy nagnia gne zanak'i Jakoba lelahy gn'olo.6Avy tao Lozy i Jakoba (ao Betela avao), gn'ao ame tany Kanàna, izy da gn'olo niaraky taminazy aby. 7Nagnatsanga tao izy da nangia El-betela iza toera za, satria tao Zagnahary gne nagnambara gne Tegnany taminazy, raha nitsoky gne rahalany izy. 8Sady maty i Debora, mpiteza an'i Rebeka. Nalevy t'ambanimban'i Betela t'ambanine hazo terebinta izy, nangia hoe Alona-bakota iza.9Rehefa nipody avy tagny Padan-Arama i Jakoba, da niboda taminazy indraiky Zagnahary sady nitso-drano anazy. 10Hoy Zagnahary taminazy hoe: ''Jakoba gn'agnaranao, kanefa tsy angia Jakoba etsanaky enao. Fa angia hoe Israely.'' Da nangiane Zagnahary Israely gn'agnagnarany.11Hoy gne Zagnahary taminazy hoe: ''Iaho gne Zagnahary Tsitoha. Miteraha maro da fenoy gne tany. Hisy firene sy gne fikambanam-pirene hiboda avy aminao, sady mpanjaka gne ho eo ame taranakao. 12Gne tany nomeko an'i Abrahama sy Isaka, da homeko anao. Ho ane taranakao faraman-dimbinao da homeko ane tany evakoa. 13Da niakatry sady niala taminazy teo, tame toera nikoragnesany gne Zagnahary.14Nagnorigny tsangam-bato tame toera niresahane Zagnahary taminazy i Jakoba, tsangam-bato vita tame vato. Nandraraky rakitry indranomy sy nandraraky menaky tam'iza izy. 15Nangian'i Jakoba hoe Betela gne toera nikoragnesany tame Zagnahary.16Niala tao Betela indreo. Raha mbola lavidavitry an'i Efratà indreo, da ho teraky i Rahely. Saro-pitera izy. 17Raha t'agnatine fangirifiria ame fiteraha izy, da nizaka taminazy mpampiteraky hoe: ''Ka malia, fa da hahazo zaza lelahy hafa enao.'' 18Raha t'ampelàne gn'ainy, tame farane fofone gn'ainy gne nangiany anazy hoe Benony izy, kanefa gne iabany nangaiky anazy hoe Benjamina. 19Maty Rahely da nalevy tegny ame lala megnagny Efratà (nangia hoe Betlehema). 20Nametraky tsangam-bato t'ambone kobory i Jakoba. Iza gne famatara fa koborin'i Rahely hatram'izao.21Nanoy gne diany Isaely sady nametrake tragnony t'ambadike tilikàmbo fembena gn'ondry miarak'osy. 22Raha nipetraky tam'iza tany iza Israely, da niaraky natory tam'i Bila gne vadi-kidin'iaban'i Robena, da ren'i Israely iza. Da nanagn'anaky lelahy roy amby folo tao i Jakoba.23Gne zanany lelahy avy tam'i Lea da i Robena gne lahy matoan'i Jakoba, da i Simeona, Levy, Joda, Isakara, da i Zebolona. 24Gne zanany lelahy avy am'i Rahely da Josefa sy Bejamina. 25Gne zanany lelahy avy am'i Bila, gne mpanompon'i Rahely, da i Dana sy Naftaly.26Gne zanaky lelahy avy am'i Zilpa, mpanompo viavin'i Lea, da Gada sy Asera. Io aby gne zanak'i Jakoba lelahy gne naterakiny tagny Padana-Arama. 27Jakoba avy tagny am'i Isaka, rainy, tagny Mamre agny Kiriat-Arba (na Hebròna evakoa), gne toera nipetrahan'i Abrahama sy Isaka.28Niaigny valopolo amby zato tao Isaka. Niala hay i Isaka da maty, da nalagno ho agny ame razambeny, zok'olo voky andro izy. 29Esao sy Jakoba da, gne zanany lelahy gne nandevy anazy.
1Da fatatr'i Jakoba fa nisy vary tagny Egypta. Nizaka tame zanany lelah izy hoe: ''Nagnino enareo mifagmety?'' 2Hoy izy hoe: ''Da, naharè iaho fa misy vary agny Egypta. 3Midigna gny da mividiana ho atsika mba hahavelomatsika fa tsy ho faty etoa. Nandeha nidigne gne rahalan'i Josefa folo mba hividy vary agny Egypta. 4Fa i Benjamina rahalan'i Josefa tsy nalefan'i Jakoba niaraky tamindreo, satria nalia izy saky hisy loza mety hahazo endreo.5Avy gne zanak'Israeky lelahy mba hividy niaraky tamign'avy, fa nisy sakavè evakoa tagny ame tany Kanàna. Da i Josefa gne panapaky ame faritry.6 Izy evao gne mivarotry ho ane vahôky ame tany aby. Avy indreo sady nampandoaliky gne vatandreo tame tany taminazy teo gne rahalan'i Josefa.7Nahita gne rahalany i Josefa sady nahafatatry andreo, nefa nagnova gn'endrikiny tamindreo izy sady nizaka mafy tamindreo. Hoy izy tamindreo hoe: ''Avy aia enareo?'' Da namaly indreo hoe: ''Avy agny ame tany Kanana iahay mba hividy hany.'' 8Fatatr'i Josefa gne rahalany, fa indreo gne tsy nahalala anazy.9Da tsaroan'i Josefa gn'onofy azony nahakasiky andreo, da hoy izy tamindreo hoe: "Mpitsikilo enareo! Avy mba hagnety gne faritry mbola vôaro nareo ame tany etoa enareo.'' 10Hoy indreo taminazy hoe: ''Aeky, tompoko. Mba hividy hany evao gne nevian'itoa mpanomponao 'toa. 11Zanake lela raiky iahay aby io. Lelahy marigny iahay. Tsy pitsikilo itoa mpanomponao.''12Hoy izy tamindreo hoe: ''Aeky, agnety gne faritry mbola tsy vôaro ame tany etoa enareo.'' 13Hoy indreo hoe: ''Roy amby folo mirahala iahay mpanomponao, zanake lela raiky agny ame tany Kanàna. Da, gne faralanay da agny am'iabanay am'izao, sady gne rahalanay raiky efa maty.''14Hoy Josefa tamindreo hoe: ''Izao gne zakaiko anareo; pitsikilo enareo. 15Am'izao gn'itsapa anareo. Raha velo i Farao, da tsy hiala etoa enareo, raha tsy avy etoa gne farala aminareo. 16Hiray gne raiky aminareo, da ôka izy hangala gne rahalanareo. Da enareo hijanogny agny am-pigadrà, mba hahafa mitsapa gne tegnanareo, raha misy fahamarigna ao aminareo.'' 17Nalefany tagny am-pigadrà indreo aby nandritry gne telo andro.18Gn'andro faha telo da hoy Josefa tamindreo hoe: ''Izao gn'anio mba ho velo, fa malia gne Zagnahary iaho. 19Raha olo-marigny enareo, da ôka gne raiky ame rahalanareo tsy hiala ao am-pigadrà, da mandiana enareo, mizoga vary ho ame sakavè ame tragnonareo. 20Hindeso aminah aty gne faralahy aminareo hagnamarigne gne tegnanareo mba tsy hahafaty anareo.'' Da nanindreo iza.21Nifampiresaky indreo hoe: ''Meloky marigny marigny dato itsika avy ame rahalatsika ndre da hitatsika gne fijaliane fagnahiny raha nengavy antsika izy da itsika gne tsy niteno anazy. Da iza gne nahavy an'izao fijaliantsika 'zao.'' 22Hoy Robena namaly andreo hoe: ''Tsy efa nizaka taminareo evao me iaho hoe: 'Ka manota am'io zaza lela io,' nefa tsy niteno anah enareo? Da io, takiny amitsika zao io gne ràny.''23Tsy fatandreo fa nahalala gne resakindreo i Josefa, satria nisy mpandiniky t'agnelagnelandreo tegny. Niodigny niala tamindreo izy sady notagny. 24Nipody nagnato andreo indray izy sady nizaka tamindreo. Nalainy tamindreo teo i Simeona sady nafeny t'amasondreo teo. Avy teo nibeko gne mpanompony i Josefa mba 25hameno vary gne gonindreo, sady mba hamerigny gne volane lelahy tsiraikiraiky tame lasakany, sady hagnome andreo vatsy ame dia. Nanigny ho andreo iza.26Nameno vary gn'apondrany gne mpirahala sady da nianga tagny. 27Raha nanokatry gne goniny gne raiky tamindreo mba hamaha gn'apondrany tame toera natoriany, da nahita gne volany izy. Da io, t'ambavane goniny iza. 28Hoy izy tame rahalany hoe: ''Napodiny gne volako. Iteo eky me, ao agnaty gnoniko iza.'' Tera-kovitry gne ondreo sady nifampitodiky indreo sady nangitakitaky, nizaka hoe: ''Ino lotry rô ity nanine Zagnahary tamitsika 'ty?''29Nandehatagny ami Jakoba indreo, iabandreo agny ame tany Kanàna sady nizaka taminazy gne raha nitranga tamindreo. Hoy indreo hoe: 30''Gne lela tompone tany, da nizaka mafy anay sady nieritreritry fa pitsikilo tagny ame tany iahay. 31Hoy iahay taminazy hoe: 'Olo-marigny iahay. Sady tsy pitsikilo iza. 32Roy amby folo mirahala iahay, zanak'iabanay. Efa maty gne raiky, gne rahala da miaraky am'iabanay agny ame tany Kanàna am'izao.'33Gne lela, topone tany, da nizaka taminay hoe: ''Izao gn'ahafatarako fa olo-marigny enareo. Ajanogno aminah etoa gne raiky ame rahalanareo, mindesa vary ho ame sakavè agny ame tragnonareo, sady da toizo gne lalanareo. 34Indeso aminah etoa gne farala nareo. Da ho fatako fa tsy pitsikilo enareo, fa lela madio. Da avotsotroko gne rahalanareo, da hividy vary etoa enareo.'''35Da rehefa nandany gne tame gony indreo, da igny, nisy vola fotsy vôfogno ho ane lela tsiraikiraiky avy t'agnatine gony tao. Rehefa itandreo sy iabandreo gne vola fotsy vôfogno, da nalia indreo. 36Hoy i Jakoba iabandreo tamindreo hoe: ''Efa nangala gne zanako taminah enareo. Josefa d'efa maty, i Simeona votazo agny, da mbola indesinareo lavitry agny koa i Benjamina. Manoitry anah aby evakoa io raha io.''37Niresaky tam'iabany i Robena, nizaka hoe: ''Azonao vonigny gne zanako roy lahy raha tsy minday an'i Benjamina mipody aminao iaho. Aptray an-tagnako izy, da hinday enazy aminao indraiky iaho.'' 38Hoy Jakoba hoe: ''Tsy handeha hiaraky hidigny aminareo iza gne zanako lelahy. Fa efa maty gne rahalany sady izy raiky gne sisa. Raha misy loza avy aminazy andala egny amign'andiananareo, da hinday halaelo ame volo-fotsiko midigny agny ame Fiana-tsy hita enareo.''
1Nisy sakavè nahery vaiky tame tany. 2Da izao gne nitranga rehefa lanindreo gne vary nentindreo avy tagny Egypta, hoy iabany tamindreo hoe: ''Mandihana mipody agny indraiky enareo; da mividiana sakafo ho atsika.''3Nizaka anazy Joda hoe: ''Nampitandrigny mafy anay ralela hoe: 'Ts'ahita gne tareko enareo raha tsy miaraky ame rahalanareo.' 4Raha alefanao miaraky aminay gne rahalanay, da andeha hidigny agny sady hividy sakafo ho anao iahay. 5Nefa raha tsy alefanao miarak'aminay izy, da tsy handeha hidigny iahay. Satria ralelahy d'efa nizaka taminay hoe: 'Ts'ahita gne tareko enareo raha tsy miaraky ame rahalanareo.'''6Hoy Israely hoe: ''Nagnino enareo gne nampidi-doza anah tame fizakanareo gne lelahy fa mana rahala hafa enareo?'' Hoy indreo hoe: ''Nagnotany ame gn'atsipiriany momba anay sy gne fianakavianay ralelahy. 7Hoy izy hoe: ''Mbola velo me iabanareo? Mbola mana rahala hafame me enareo?' Da novalinay arake fagnotaniany 'reo izy. Akory gn'alalanay fa hizaka izy hoe: ''Indeso midigny aty gne rahalanareo?'''8Hoy Joda tam'i Israely rainy hoe: ''miarak'aminah gne zaza lelahy. Hitsanga da handeha iahay mba ho velo fa tsy ho faty itsika, da iahay sy enao miarak'ame zanakay evakoa. 9Iaho gne ho topon'andraikitry aminazy. Raha tsy indesiko mipody aminareo izy, da aoky zakaiko mandrakizay gne tsigny. 10Fa raha tsy tara iahay, d'efa tena nipody fagnindroiny tetoa iahay.''11Hoy Israely rainy tamindreo hoe: ''Raha iza, da anio izao. Anio ao ame kitaponao gne sasany ame vokatre tany gne tena tsara. Midignà sady mindesa fagnomeza ho an-dralela: baslama sy titely, raha-magnitry sy miora, pistasy sy amandy. 12Anio maro be gne vola indesinareo. Gne vola napodiny tame goninareo, da indeso mipodody indraiky evakoa. Saky mba hadisoanareo evao iza.13Indeso evakoa gne rahalanareo. Mitsàngana da mandihana megnagny ame ralelahy. 14Zagnahary Akaboa gne hagnome famindram-po anareo eo agn'atrehan-dralelahy, mba hafane rahalanareo hafa sy Benjamina ho aminao. Raha malahelo gne zanako iaho, da malahelo.'' 15Nalaindreo niaraky tam'i Benjamina gne fagnomeza sady da ninday gne vola maro be t'atagnandreo. Lasa indreo nidigny tagny Egypta da niboda tam'i Josefa teo.16Igny nahita an'i Benjamina niaraky tamindreo igny i Josefa, da hoy izy tame tompon'andraikitre fampandrosoa t'andragnony hoe: ''Hampandrosoy ao an-tragno iregy lela regny, da mamonoa aomby raiky sady karakaray iza, fa hiaraky hihina aminah indreo rehefa ame jerijerin'andro.'' 17Nanine mpanompony gne raha nozakain'i Josefa. Nindesiny t'andragnon'i Josefa ireo lela.18Nalia indreo satria nindesy t'andragnon'i Josefa indreo. Hoy indreo hoe: ''nohone vola napody t'agnaty gony tame vôloany gne nampidirany atsika tatoa, mba hahafany magnararaotry atsika. Mety hanambotry atsika sy hagnandevo atsika izy sady hangala gn'apondratsika.'' 19Nagnato gne mpanompon'i Josefa indreo, sady nikorà taminazy t'ambarangara teo, nizaka hoe: 20''Tompoko, avy negnaty iahay tame vôloany mba hividy hanigny.21Igny rehefa avy tame toera fangalà hay igny iahay, nanokatry gne lasakanay, da, samby t'ambane lasakany tao aby gne volany, tsisy nangalany gne volanay. Napodinay sady ety ampela-tagnanay iza. 22Ninday vola hafa evakoa iahay hividy sakafo. Tsy fatatray gne nagnapody gne volanay t'agnaty lasakanay.'' 23Hoy gne mpanompo hoe: ''Fiandana ane ho anareo, ka malia. Gne Zagnaharinareo sy gne Zagnaharin'iabanareo gne nametraky gne volanareo t'agnaty lasakanareo. Efa noresiko gne volanareo.'' Da nindesine mpanompo tam'i Simeona indreo.24Nampandrosoine mpanompo t'andragnon'i Josefa indreo. Nomeny rano indreo, da nanasa gne tombony indreo. Da nomeny sakafo gn'ampondrandreo. 25Da nagnoma gne fagnomeza ame fianakavian'i Josefa ame jerijerin'andro indreo, satria rendreo fa hisakafo ao izy.26Igny avy tao an-dragnony tao igny i Josefa, da nindesindreo t'an-dragnony tao gne fagnomeza t'an-tagnandreo tegny, sady nandohaliky tame tany t'aloany indreo. 27Nagnotany andreo momba gne fahasalamany indreo indreo, da nizaka hoe: ''Salama avao iabanareo, gne lelahy antitry nokoragninareo igny? Mbola velo avao izy?''28Hoy indreo hoe: ''Salama gne mpanomponao gne rainay. Mbola velo izy. Niondriky sady nandoaliky indreo. 29Raha nagnety igny izy da nahita an'i Benjamina rahalany, gne zana'iabany, sady hoy izy hoe: ''Ity me gne faralahanareo nozakainareo taminah igny?'' Da hoy izy hoe: ''Zagnahary anè hitahy anao, rô zanako.''30Nijotso nalaky tamign'efitry tao i Josefa, satria nalahelo mafy izy nohone rahalany. Nitadia toera hitagnia izy. Niditry t'agnefitriny tao izy da tao izy gne notagny. 31Nosasany gne tareny da lasa izy nivôky. Nanindry fo izy, nizaka hoe: ''Arosoy gne sakafo.''32Nomene mpanompony an'i Josefa gn'anjarany sy gn'anjarane rahalany. Niara-nihina taminazy tao gn'Egyptiana satria gn'Egyptiana tsy mahazo oma mofo miarak'ame Hebreo, satria raha mamparikoriko amign'Egyptiana iza. 33Nipetraky t'akeky enazy gne rahalany, gne lahy matoa arake zoky, da gne zandry indrindra arake maha zandry anazy. Gaga indreo. 34Nomen'i Josefa anjara tame sakafo t'aloany teo indreo. Nefa gn'anjaran'i Benjamina da mihôtrine gnane rahalany. Ninindrano indreo, da faly gne niaraky taminazy.
1Nagniraky gne mpikarakara gne tragnony i Josefa, nizaka hoe: ''Fenoy sakafo gne lasakan'ireo lelahy 'reo, arake gn'avindreo, sady da apetray ame lasakandreo gne volandreo aby. 2Da apetray ao ame lasakane zandriny indrindra, gne kapôkiko, gne kapôky volafotsy, sy gne volany tame vary.'' Da nanine mpikarakara aby gne nozakain'i Josefa.3Avy gne nandraigny, da nalefa nody indreo, sy gne borikiny. 4Rehefa nivôky gne tanà indreo nefa mbola tsy lasa lavitry evao, da nizaka tame mpikarakarany i Josefa hoe: ''Mifohaza, magnarà an'iregny lelahy iregny, sady rehefa tratrinao indreo, da zakay indreo hoe: ''Nagnino enareo gne mamaly ratsy gne tsara? 5Tsy gne kapôky isotroane tompoko ity, sy gne kapôky ampesainy ame faminaniany ity? Nagnano ratsy enareo, iza raha 'za gne naninareo.'''6Nahatratry andreo gne pendraikitre vahiny sady nizaka gne resakindreo. 7Indreo nizaka taminazy hoe: ''Nagnino gne tompoko mizaka akoiregny? Sagnatria ame mpanomponao gne hagnanoandreo raha akoiza.8Io, gne vola itanay tame vavane lasakanay, nindesinay nipody aty aminao indraiky avy ame tany Kanàna. Akory gn'ahafanay mangalatry volafotsy na volamena ao ame tragnone tomponao? 9Gn'ahità an'iza am'ireo mpanomponao, da aok'izy ho faty, sady iahay evakoa da andevone tompoko.'' 10Gne mpikarakara nizaka hoe: ''lonike ho akoigne zakanareo 'za. Gne raiky ahità gne kapôky da ho andevo, sady enareo hafa koa da ho afaky.''11Avy teo da nandeha malaky gne lalahy tsiraikiraiky da nagnapetraky gne lasakany tame tany, sady nagnaboda gne t'agnatiny aby. 12Nitadia gne tompon'andraikitry ame fampandrosoa gne vahiny. Natombokiny tame zokiny indrindra da nofaragnany tame zandriny, da hita tao ame lasakan'i Benjamina gne kapôky. 13Da nadriatry gn'akanjony indreo. Samby nipitiky gn'apondrany aby gne lelah tsiraikiraiky sady da nipody tagny ame tanà.14Nandeha tagny ame tragnon'i Josefa i Joda sy gne rahalany. Mbola tagny izy, da nandoaliky t'agnatrehany tame tany indreo. 15Hoy i Josefa tamindero hoe: ''ino ity aninareo 'ty? Izy io me kô tsy lalanareo fa gne lelahy ako'iaho da magnano faminania?''16Nizaka i Joda hoe: ''Ino gn'afaky zakainay ame tompoko? Ino gn'azonay zakay? Akory gn'ahafanay magamarigny gne tegnanay? Hitane Zagnahary gn'eloke mpanomponao. Igny, andevone tompoko iahay, iahay sy izy da nahita gne kapôky tegny an-tagnany.'' 17Hoy Josefa hoe: ''Tsy ho iaho gne tsy maintsy hagnano an'iza. Gne lelah nahita gne kapoky t'atagnany teny, da ho andevoko, fa enareo hafa kosa, da hiakatry am-piadagna ho agny am'iabanareo.''18Avy teo da nagnato akeky anazy i joda da nizaka hoe: ''Tompoko ô, apetray rô hizaka zakaraiky ame sofine tompoko gne mpanomponao, sady aoky gne fahavigniranao hagnadary ame mpanomponao, fa enao da akoy Farao. 19Nagnotagny gne mpanompony gne tompoko, nizaka hoe: 'Enao me kô mana ray na rahala raiky?'20Hoy iahay tame tomponay hoe: 'mana ray iahay, lela antitry, sady zanaky raiky tame fahaterany. Fa gne rahalany d'efa maty, sady gne rainy tia anazy.' 21Avy teo nizaka tame mpanomponao enao hoe: 'Indeso midigny aminah etoa izy mba hahafako mahita anazy.' 22T'afaran'iza, da nizaka tame tompoko iahay hoe: ''tsy afaky hamela an'iabany zaza lelahy. Fa raha mamela an'iabany izy da ho faty gne rainy.'23Sady enao nizaka tame mpanomponao hoe: 'Raha tsy midigny miaraky aminao gne rahalanao zandriny indrindra, da ts'ahita gne tareko etsanaky enao.' 24Da igny avy iza rehefa niakatry negnagny am'iabako gne mpanomponao iahay, nozakainay taminazy gne zakane tompoko. 25Hoy iabanay hoe: ''Mandiana indraiky, mividiana sakafo ho atsika.' 26Avy teo da nizaka iahay hoe: 'Afaky midigny agny iahay. Raha miaraky aminay gne rahalanay zandriny indrindra, satria tsy afaky gn'ahita gne taren-dralela iahay raha tsy afaky miaraky ame rahalanay iahay.27Gne mpanomponao rô tompoko gne nizaka taminay hoe: 'fatatrareo fa niteraky roy lahy taminah gne vadiko. 28Da gne raiky tamindreo da niala taminah sady hoy iaho hoe: ''Azo antoky fa vôzimbazimbaizy, sady tsy nahita anazy iaho hatram'izao.'' 29Iaho raha mangala gne raiky aminah aty koa enareo, da loza gn'avy aminazy, da hampihitsa gne volon-dohako amign'alahelo da megname Fiaina-tsy hita enareo.30Da noho iza, rehefa avy agny ame mpanompo iaho, sady tsy miaraky aminay gne zaza lela, satria mifamatotry amign'aine kirao lahy gn'ainy, 31da hoavy iza, rehefa itany fa tsy hitany fa tsy miaraky aminay gne kirao lahy, da ho faty izy. Gne mpanomponao da hapihitsa gne volo fotsin'iabako mpanomponao miaraky ame gn'alahelo megnagn'ame Fiaiana-tsy hita. 32Satria gne mpanomponao d'efa lasa atoky hoane kirao lahy am'iabako sady nizaka hoe: ''Raha tsy minday anazy eo agnatrehako iaho, da hinday heloky eo am'iabako iaho.'33Da noho iza, apetray rô gne mpanomponao hijanogny ho solone kirao lahy akoign'andevone tompoko, sady avelay gne kirao lahy hiarak'iakatry ame rahalany. 34Fa ame fomba magnano akory gn'ekarako agny am'iabako raha tsy miaraky aminah gne kirao lahy? Malia gn'ahita gne ratsy tsy maintsy ho avy eo am'iabako iaho.''
1Nienga niaraky tamizay nanagnany agnaby Israely ary nandea agny Beri-sheba. Tao gne nanolorany fanatitry ho an'e gn'Andrimanitr'Israely da rainy. 2Nizaka tamin'Israely tao agnaty fahita Andriamanitra gne ariva, nagnano hoe: "Jakoba, Jakoba." Hoy izy hoe: "Ity iaho." 3Hoy izy hoe: "Iaho gn'Andriamanitra, Andriamanitr'i abanao. Ka matahotry gne hidigny ho agny Egypta, fa haniko firenena zakabe agny anao. 4Hiaraky aminao hidigny ho agny Egypta Iaho, ary Iaho hinday anao hiverigny hiakatry dato ary gne tagnan'i Josefa gne hampahita gne masonao amè tanany.5 Niarigny tao Beri-sheba i Jakoba. Ninday an'i Jakoba rainy, e zanany, sy gne vadiny, tamè sarety izay nalefan'i Farao mba hindesandreo gne gne zanak'Israely. 6Nindesin-dreo e tezaraha sy e fanagnan-dreo izay efa azony tao amè tany Kanana. Niditry tao Egypta indreo, niaraky tamin'i Jakoba sy gne taranokiny agnaby.7 Nentiny niaraky tamè tagny Egypta gne aanany lelahy sy e zafany lelahy, gne zanany viavy sy e zafiny viavy, ary gne taranakiny agnaby.8Itoa gn'agnaran'e zanak'Israely izay avy tagny Egypta, Jakoba sy gne zanany: Robena, zanak'i Jakoba lelahy voloany; 9gne zanak'i Robena lelahy i Jakoba sy Palo sy Hezrina ary Karmy; 1010 gne zanak'i Simona, da i Jemoela, Jamina, Ohada, Jakina, Zohara, ary Saoly, gne zanak'e viavy Kananita lelahy; 11gne zanak'e Levy lelahy da i Gersona, Kehata, Merary.12Gne zanak'i Joda lelahy: Onana, Sela, Fareza, ary Zera (fa i Era sy Onana maty tagny amè tany Kanana). Gne zanak'i Fazera da i Hezrona sy Hamola. 13Gne zanak'i Isaka lelahy da i Tola, Pova, Joba, ary Simrona; 14Gne zanak'i Zebolona da Sereda, Elona, ary Jahalela. 15Io e zanak'i Lea lelahy izay naterakiny tamin'i Jakoba tagny Padana-Arama, mbamin'i Dina zanany viavy. Nisy telo ambiny telopolo e zanany lelahy sy e zanany viavy.16Gne zanak'i Gada lelahy da i Zifiona, Hagy, Sony, Ezbona, Ery, Aroda, ary Arely. 17Gne zanak'i Asera lelahy da Jimna, Jisva, Jisvy, ary Beria; ary i Sera gn'anakavin-dreo. Gne zanak'i Beria da Hebera sy Malkiela. 18gne zanak'i Zilpa, izay nomen'i Labana an'i Lea zanany viavy. Io e zanany lelahy naterakiny tamin'i Jakoba—enina ambin'ny folo gne fitambarany.19Gne zanaka lalahin'i Rahely vadin'i Jakoba da Josefa sy Benjamina. 20Niteraky an'i Manase sy Efraima tamin'i Asenata, zanaka viavin'i Potifera mpisorona tao Ona i Josefa tany Egypta. 21Gne zanak'i Benjamina lelahy da i Bela, Bakera, Gera, Asbela, Gera, Namana, Ehy, Rosy, Mopima, Hopima ary Arda. 22Io gne zanak'i Rahely naterakiny tamin'i Jakoba—efatry ambin'ny folo gne fitambarany.23 Gne zanak'i Dana lelahy da i Hisima. 24Gne zanak'i Naftaly lelahy da i Jaziela, Gony, Jezera, ary Silema. 25Io gne zanak'i Jakoba lelahy tamin'i Bila, izay nomen'i Labana an'i Rahely zanany viavy—fito e fitambarany.26Izay nandeha agny Egypta agnaby niaraky tamin'i Jakoba, izay taranakiny, raha tsy isay e vadin'e zanany lelahy, da enina amby enimpolo e fitambarany. 27Fitopolo e fitambaran'e gn'avany nandeha agny Egypta, niaraky tamè zanak'i Josefa lelahy roy izay naterakiny tagny Egypta.28Nampadehanin'i Jakoba hialoha lala anazy mandeha agny amy Josefa i Joda mba hanoro lala anazy ho agny Gosena, ary da avy tagny amè tanin'i Gosena indreo. 29 Nagnoma e saretiny Josefa ary lasa niakatry nitsena an'Israely rainy. Nahita anazy izy, namihigny e vozony, ary nitomagny ela teo amè vozony. 30Hoy Israely tamin'i Josefa hoe: "Ôka ho faty amizay iaho, satria efa nahita e tarehinao, fa mbola velo anao."31Josefa nizaka tamè rahalahany sy e gn'avan'i abany hoe: "Hiakatry iaho ary hizaka amin'i Farao, ka hizaka hoe: 'Efa avy aty aminahy gne rahalahako sy gn'avan'i abako izay tagny amè tany Kanana. 32Mpiandry ondry io lelahy io, satria mpikarakara tezarahà indreo. Nentin-dreo gn'ondry aman'osiny, gn'aombin-dreo, ary izay nanagnany agnaby.'33Ary raha mangaiky anareo Farao ary magnotany hoe: 'Ino gn'asanareo?' 34da tokony hizaka anareo fa: 'Gne mpanomponao da efa mpikarakara tezarahà hatramè fahazazanay ka hatram'izao, da iahay sy e razanay.' Anio izany mba hahafahanareo mipetraky amè tanin'i Gosena, satria fahavetaveta ho an'ny Egyptiana e mpiandry ondry agnaby."
1Namaly Mosesy hoe: "Saingy ahoana raha tsy mino ahy izy ireo na tsy mihaino ahy fa hizaka kosa hoe: "Tsy niseho taminao ve Yaveh?" 2Hoy Yaveh taminy: "Inona iny an-tananao iny?" Namaly Mosesy hoe: "Tehina", 3Hoy Yaveh hoe ''Atsipazo eo ame tany izany, ''Nanipy izany tamie tany i Mosesy,ary nivaliky bibilava izany. Nandositra izany i Mosesy.4Hoy i Yaveh tame Mosesy hoe: "Ahinjiro gne tananao da raiso ame rambony io.'' koa da naninjitry izy da nandray ilay bibilava. Da lasa tehina avao teny an-tanany indray izany. 5"Izany da mba hahafaha-dreo mino fa i Yaveh da Andriamanitry gne razan-dreo, Andriamanitr' i Abrahama, Andriamanitr'Isaka, Andriamanitr'i Jakoba, gne efa niseho taminao."6Hoy ihany i Yaveh taminy hoe: "Izao da antsofohy ao anaty gne lambanao gne tananao." Da natsofok' i Mosesy tao anaty lambany gne tanany. Rehefa namoaky izany izy da indro boka avao gne tanany, fotsy tahaka gne oram-panala. 7Hoy Yaveh: "Atsofohy ao anaty gne lambanao idray gne tananao. "Da natsofok'i Mosesy tao anaty lambany gne tanany, da rehefa navaokany tatoa, da hitany avao fa sitrana indray izany, toa ny ambin'ny nofony rehetra.8Hoy Yaveh hoe: "Raha tsy mino anao izy ireo, raha tsy miraharaha gne famantarana voalohany gne heriko na tsy mino izany izy ireo, da hino gne famantarana faharoa.9 Raha tsy mino gne amendreo famantarana gne heriko roy ireo aza izy ireo, na tsy mihaino agnao, da manovoza rano ame renirano ary araraho ame tany maina izany. Gne rano izay ho alainao da hivaliky lio eo ame tany maina."10Da hoy i Mosesy tame Yaveh hoe: "Ry Tompo, tsy mahay mandahan-teny iaho, gna tame lasa gna hatramin'ny nizakanao tame mpanomponao. Miadam-piteny sy miraiki-dela iaho." 11Hoy Yaveh taminy hoe: "Izay ilay nanamboatra gne vava gne olo? Izay nanao gne olo ho maona gna marenina gna mahiratra gna jamba? Moa tsy Izaho, Yaveh? 12Noho izany mandehana, da Izaho gne momba gne vavanao da hampianatry agnao izay ho zakaina." 13Fa hoy Mosesy: "Ry Tompo, maniraha olo hafa, izay sitrakao hirahina."14Da vinitry tame Mosesy Yaveh. Hoy Izy hoe: "Ahoana gne momba agne Arona rahalahinao, ilay Levita? Lalako avao fa afaky mizaka tsara izy. Fanampin'izany, ho avy hihaona aminao izy, da rehefa mahita agnao avao izy, da ho faly ao am-pony. 15Hizaka aminy ianao da hametraky gne teny hozakaina eo am-bavany. Izaho homba gne vavanao ndraiky vavany, da hasehoko anareo roy gne raha hatao. 16Hizaka ame vahoaka ho agnao izy. Ho vavanao izy, da aminy agano da ho tahaka Ahy, Andriamanitra. 17Ho entinao eo an-tananao ireo famantarana."18Da niveriny tany ame Jetro rafozan-dahiny i Mosesy da nizaka taminy hoe: "Ambilao iaho handeha mda hahafahako mipoly ame havako izay any Egypta ary hijery raha mbola velona izy ireo. "Hoy Jetro tame Mosesy hoe: "Mandehana ame-piadanana."19 Hoy Yaveh tame Mosesy tany Midiana hoe : "Mandehana, mipoly any Egypta, fa efa maty ireo lehilahy rehetra izay nikasa haka gne aignao." 20Naka gne vadiny sy ireo zanany lahy i Mosesy da nametraky azy ireo teo ambon'gne biriky. Nipoly tany ame tanin'i Egypta izy, da noraisiny teny an-tanany gne tehin'Andriamanitra.21Hoy Yaveh tame Mosesy hoe: "Rehefa mipoly any Egypta avao iagnao, da aoka hoataonao eo anatrehan'i Farao ireo fahagagana rehetra izay efa napetrako teo ame fahefagnao. Saingy hanamafy gne fony iAho, da tsy hamela ireo vahoaka handeha izy. 22Tsy maintsy hizaka an'i Farao iagnao hoe: "Izao no nozakain'i Yaveh:Israely da zanako lahy, lahimatoako, 23da mizaka aminao iaho: "Avelao handeha gne zanako, mba hahafahany manompo Ahy. Fa satria nanda gne hamela azy andeha iagnao da hovoniko tokoa gne zanakagnao lahy, da gne lahimatoagnao.'"24Ary teny an-dalana, rehefa nizanona ho ame alina izy ireo, da nihaona tame Mosesy da nikasa hamono azy Yaveh. 25Da naka fiharatra vato i Zipora da namora gne zanany lahy, ary da nanakasoka izany tame tombogny. Da hoy izy: "Azo antoka fa vady ame alalan'ny lio amiko ianao." 26Da namela azy irery Yaveh. Hoy izy hoe: "Vady ame alalangne lio" nohon'ilay famorana.27y Yaveh tame Arona hoe: "Mandehana any agn'efitra hihaona ame Mosesy." Nandeha i Arona, nihaona taminy tany an-tendrombohitr'Andriamanitra,da nanoroka azy. 28Nozakain'i Mosesy tame Arona avokoa ireo Tenin'i Yaveh izay nanirahany azy ho zakaina sy gne momba ireo famantaran'gne fahefan'i Yaveh rehetra izay nandidiany azy ho ataony.29Da nandeha i Mosesy sy Arona da namory ireo loholon'ireo Israelita rehetra. 30Nambaran'i Arona avokoa ireo teny rehetra izay nozakain'i Yaveh tame Mosesy. Nampiharihariany teo imason'ireo vahoaka ihany koa ireo famantaran' gne herin'i Yaveh. 31Da nino gne vahoaka. Rehefa henon'izy ireo fa efa nandiniky ireo Israelita Yaveh ary efa nahita gne fampahorina azy ireo, da nampiankohaka gne lohany izy ireo hanompo azy.
1Hoy i Yaveh tame Mosesy hoe: "Mandehana any ame Farao, fa efa nohamafisiko gne fony sy gne fon'ireo mpanompony. Nataoko izany mba hanehoanao ireo famantarana gne heriko eo amindreo. 2Nataoko ihany koa izany mba hanambaranao amindreo zanakao sy ireo zafikelinao izay zavatra vitako, gne hamafin' gne fomba nitondrako an' i Egypta, sy gne fomba nanomezako famantarana gne heriko isan-karazany teo amindreo. Ame izany fomba izany no hahafantaranao fa Izahono Yaveh."3Koa da nankany ame Farao i Mosesy sy arona ka nanao taminy hoe "Yaveh, ilay Andriamanitr'ireo Hebreo, da nizaka izao: 'Hafiriana gne handavanao tsy hanetry gne tenanao eo anatrehako? Avelao handeha gne oloko mba hanompoandreo Ahy. 4Fa raha manda tsyhandefa gne oloko ianao, da indro, hahatonga valala any ame taninao Aho rahampitso.5Handrakotra gne tany aby ireo da tsy afaky hahita gne tany. hihinana izay sisa navelan'gne havandra ireo. Hihinana gne hazo iaby eny an-tsaha izay maniry ho anao ihany koa ireo. 6Hameno ireo tranonao, sy gne tranon'ireo mpanomponao, ary gne an'ireo Egyptiana iaby ireo zavatra tsy mbola fahitan'gne abanao na gne kakinao, tsy mbola fahita hatrame gne andro naha-teto ambony gne tany azy ireo ka hatramezao." Avy eo da lasa i Mosesy da niala teo ame Farao.7Hoy ireo mpanompon'i Farao taminy hoe: " mandra-pahoviana io lehilahy io no ho fampitahorana ho antsika? Avelao andeha ireo Israelita mba hanompoan'izy ireo an'i Yaveh Andriamanitr'izy ireo. tsy mbola hitanao fa efa rava Egypta?" 8Da nentina tany ame Farao indray Arona sy Mosesy, izay nizaka tamindreo hoe: "Mandehana manompo an'i Yaveh Andriamanitrareo. Saingy iza avy ireo olona handeha?"9Hoy Mosesy hoe: "Handeha hiaraka ame tanora sy gne antitra izahay, miaraka ame zanaka lahy sy zanaka viavinay. Handeha hiaraka amindreo ondry aman'osy sy ombinay izahay, satria tsy maintsy manano firavoravoana ho an'i Yaveh." 10Hoy i Farao tamindreo hoe: "Homba anareo tokoa anie i Yaveh, raha handefa anareo sy gne zanakareo aho. Indro, manana sain-dratsy ianareo. 11Tsia! Mandehana, gne lehilahy eo aminareo ihany, da manompoa an'i Yaveh, satria izay gne tadiavinareo." Da nentina nivoaky teo anatrehan'i Farao i Mosesy sy Arona.12Da hoy i Yaveh tame Mosesy hoe: "Ahinjiro ame gne tanin'i Egypta gne tananao ho an'ireo valala, mba hanafihan'ireo gne tanin'i Egypta da hihinana gne zava-maniry ao ame zany, gne zavatra iaby izay sisa tsy potiky gne havandra." 13Da naninjitry gne tehiny tame gne tanin'i Egypta i Mosesy, da nitondra rivotra avy any antsinanana tame gne tany Egypta i Yaveh nandritra gne andro sy alina iny. Nony mandraina, da nentin'gne rivotra avy any atsinanana ireo valala.14Nandeha nanerana gne tany Egypta iray manontolo ireo valala da naneniky gne faritra iaby tao amin'izany.Tsy mbola nisy andiam-balala tahaka izany tao amin'ilay tany aloha, ary tsy hisy zavatra tahaka itoa ho tonga ao aorinan'itoa. 15Nandrakotra gne tany iray manontolo ireo da maizina gne tany. Nohanin'ireo avokoa gne zava-maniry tao amin'ilay tany sy gne voankazo rehetra teny ame gne hazo izay sisa navelan'gne havandra. Nanerana gne tany Egypta manontolo, da tsy nisy tafajanona na zava-maitso, na hazo na zava-maniry teny an-tsaha16Avy eo i Farao da nampiantso faingana an'i Mosesy sy Arona da nizaka hoe: "Nanota tamin'i Yaveh Andriamanitrareo sy taminareo aho. 17Koa ankehitriny, mamela gne helokoame zao fotoana izao; ary mivavaha ame Yaveh Andriamanitrareo mba hanalany amiko itoa fahafatesana itoa." 18Koa nivoaky avy tao ame Farao i Mosesy da nivavaky tame Yaveh.19Nitondra rivotra mahery vaika avy any adrefana Yaveh izay nitondra ireo valala ka namarina ireo ho any ame gne ranomasina Mena; tsy nisy na da valala iraika aza tavela tao ame gne fari-tanin'gne Egypta rehetra. 20Fa nohamafisin'i Yaveh gne fon'i Faraona, da tsy navelan'i Farao handeha ireo Israelita.21Da hoy i Yaveh tame Mosesy hoe: "Ahinjiro makany ame gne lanitry gne tananao, mba hisy haizina eo ame gne tany Egypta, haizina izay azo tsapaina." 22Nanindritry gne tananany nakany ame gne lanitra i Mosesy, da nisy haizina matevina teo ame gne tany manerana an'i Egypta nandritry gne telo andro. 23Tsy nisy nifankahita gne olona; tsy nisy nivoaka tao an-tranony nandritry gne telo andro. Kanefa nanana fahazavana kosa ireo Israelita teo ame gne toerana nipetrahandreo.24Nampiantso an'i Mosesy i Farao da nizaka hoe: "Mandehana manompo an'i Yaveh. Afaka mandeha miaraka aminao na gne fianakaviana aza, fa ireo ondry aman'osinao sy ireo omby kosa da tsy maintsy hajanona." 25Fa hoy Mosesy hoe: "Tsy maintsy homenao biby atao sorona sy fanatitra dorana ihany koa izahay mba hanaovanay sorona azy ireo ho an'i Yaveh Andriamanitray. 26Tsy maintsy miaraka aminay ihany koa ireo biby fiompinay; da tsy hisy havela na da kitro iray amindreo aza, fa tsy maintsy entinay hanompoana an'i Yaveh Andriamanitray ireo. Satria tsy fantatray hoe ame gne ino no tsy maintsy hanompoanay an'i Yaveh mandra-pahatonganay any.27Fa nohamafisin'i Yaveh gne fon'i Farao, da tsy hamela azy ireo handeha izy.28 Hoy Farao tame Mosesy hoe: "Miala amiko! Fa mitandrema ame gne zavatra iray, da gne tsy hahitanao ahy intsony, satria ame gne andro hahitanao gne tavako, da ho faty ianao." 29Hoy Mosesy hoe: "Voalazanao mihintsy. Tsy hahita gne tavanao intsony aho."
1Da hoy Yaveh tamy Mosesy: "Mbola misy areti-mandringa raiky ho entiko ame Faraosy Egypta. Afara nizany da hamela anareo handeha hiala etoa izy. Raha hamela anareo izy gne farany, da handroky anareo tanteraky. 2Toroy lalagny gne vahoaka fa gne lehila sy viavy rehetra da hangataky firavaky volafotsy sy volamena ame akeky anazy. 3Ary nataon'i Yaveh nitady fitia tamireo Israelita gne Egyptiana. Ary koa, Mosesy da gne lehila tena nahavariagny teo imason'ireo mpanompon'i Farao sy ireo vahoakan'i Egypta.4Hoy Mosesy hoe:"Iao gne nizakany Yaveh:Magnodidigny gne sasak'aligny da hamakivaky an'i Egypta iaho. 5Nge vakirandro rehetra ao ame tany Egypta da ho faty, manomboky ame vakirandro Farao, izay midoboky eo ame seza fiandrianany,ka hatramy gne vakirandro mpanompo vavy ambandiky fandisanagny vary, ary hatraminy voalohan-teraky gne biby fiompy aby.6Da hisy fitomagnigny zakabe magneragny gne tany Egypta, izay mbola tsy nisy ary tsy hisy akoho izany sanaky. 7Fa ndre gnamboa azaky tsy hivovo na amin'iza na amin'iza ame vahoakan'Israely, na ame olona ame biby. Amizay fomba izay no halalanao fa samy hafa gne fitondrako gne Egyptiana sy Israelita. 8Gne mpiasanao rehetra, Farao, da hidigny aty amiko ary handohaliky eto aminaha. Hizaka izy hoe:"Mandehana ananreo sy gne vahoaka magnaradia! afaranizany hizotso iaho." Da nizotso tao aminazy i Farao vignitry mafy izy.9Hoy Yaveh tamin'ny Mosesy hoe: "Tsy hiteno anao i Farao. Izany da mba hagnamboharako raha magaga maro eo ame taniny Egypta." 10Nanin'i Mosesy sy Arona teo alohany i Farao gne fahagagagny maro. Fa i Yaveh nagnamafy gne fon'i Farao, ka tsy namela gne vahoakan'i Israely nivoaky gne taniny i Farao
1Yaveh nizaka tamin'ny Mosesy sy Arona tao ame tany Egypta. 2Hoy izy hoe: "Ho anareo, ity volagny ty no ho fanombohany ireo volagny, da gne voalohany gne volagny ame taogny ho anareo.3Zakay ame fiangonagny Israely hoe: "Ame andro fahafolon'ity volagny ty indreo da tsy maintsy mangalaky ondry na zanak'osy avy azy indreo, gne fianakaviagny da samby hagnano izany, zanak'ondry raiky isaky gne fianakaviagny. 4Raha vitsy lotry ka tsy halany zanak'ondry raiky gne fianakaviagny, gne lehila sygne mpiray vody rindryaminy da tokony haka gne henan-janak'ondry na zanak'osy izay ampy hoanin'ny gne tsirairay. Tokony ho ampy hoaniny gne rehetra izany ,noho izany indreo da tsy maintsy mangalaky hena sahaza hamokisany azy rehetra.5Tsy tokony hisy kilema mihitsy gne zanak'ondry na gnosy, lahy heritaogny. Afaky mangalaky raiky amireo ondry na osy anareo. 6Tsy maintsy karakarainareo tsara izany mandra-pahatongavan'ny andro fahefatry ambin'ny folon'gne volagny. Ary tsy maintsy mamogno anireobiby ireo gne fiangonagny Israely manotolo mame hariva. 7Tsy mangalaky sasany ame rà anareo ary mametraky anizany ame tondohagny syeo ame tataom-baravaragnygne tragno ao ame hinananareo gne hena. 8tsy maintsy hoaninareo aminio aligny io gne hena, rehefa natono mialoha tame afo. Hoano miaraky ame mofo tsy misy sira, miaraky ame fofogny mafaitry izany.9Aza hoanigny mata na ampangotragny ame rano. fa kosa atonoy ame afo miaraky ame lohany, gne tongony ary gne ra agnatiny. 10Tsy tokony apetrakareo ho tratry mandraigny gne ambiny. Tsy maintsy orohanareo gne sisa tavela ame mandraigny. 11Izany gne fomba tsy maintsy hinananareo: mife gne fehi-kibonareo, gne kapanareo ame tongotrareo, ary gne tehigny egny an-tagnanareo. Tsy maintsy mihinagny malaky izany anareo. Izany gne Paskan'i Yaveh.12Izao gne zakainy Yaveh: Handeha hamakivaky gne tany Egypta Aho amin'ity aligny ity ka handringagny gne voalohan-teraky gne olo sy gne biby aby ao ame tany Egypta. Hitondra famaizagny ho an'ireo andriamanitr'i Egypta rehetra Iaho. Iaho no Yaveh. 13Gne rà no ho famantaragny eo ame tragnonareo gne ame fatongavako ao aminareo. Rehefa mahita gne rà Iaho, handalo aminareo fotsiny rehefa handringagny gne tany Egypta. Tsy ho ao aminareo ka handringagny anareo gne loza. 14Ho andro fahatsiarovagny ho anareo io andro io, izay tsy maintsy hotandremanareo ho firavoravogny ho an'i Yaveh. Ho lalàgny ho anareo mandrakariva,ame taranaky gne vahoakanareo, fa tsy maintsy mitandry izany andro izany anareo.15Hihinagny mofo tsy misy sira anareo mandritra gne fito andro. Amin'gne andro voalohany anareo da hangalaky gne lalivay ao andragnonareo. Na ia na ia mihinagny mofo tsy misy sira ame andro voalohany mandra-pahatongagne andro fahafito, izany olo izany da tsy maintsy halàgny ai Israely. 16Ame andro voloany da hisy vondrogny izay atokagny ho Ahy, ary ame andro fahafito da hisy fanangonagny hafa mitovy amizany. Tsy misy asa ho anigny amin'izany andro izany afa-tsy gne mahandro hanigny hoanin'gne rehetra. Izany avao gne asa azo anigny.17Tsy maintsy tandremanareo io andro fankalazagny gne mofo tsy misy lalivay io satria amin'io andro io no hitondrako gne olonareo, isan-tokony avy, hiala gne tany Egypta. Ka tsy maintsy tandremanareo ame taranaky gne olo izany andro izany. Ho lalàna ho anareo mandrakariva izany.18 Tsy maintsy mihinagny mofo tsy misy lalivay anareo manomboky ame solognandro fahefatry ambin'ny folo ame volagny voalohany taogny, mandra-pahatongany gne solognandro faha raiky ambin'ny roapolo gne volagny.19Mandrita io andro fito io, da tsy tokony hisy lalivay mintsy ao andragnonareo. Izany rehetra mihinagny mofo misy lalivay da ho alàna ame vondron'Israely, na vahiny izany olo izany na olo teraky teo ame taninareo. 20Tsy tokony hihinagny raha misy lalivay mintsy anareo. Na aiza na aiza hipetrahanareo, da tsy maintsy mihinagny mofo tsy misy lalivay."'21Ary niantso gne loholon'Israely rehetra i Mosesy ka nizaka tamindreo hoe: "Mandehana ary misafidiana na ondry na zanak'ondry ampy hamanagny gne fianakaviagny ka vony gne zanak'ondry Paska. 22Avy eo da maka tapaky hysopa ary antsoboy agnaty gne rà izay tao agnaty koveta izany. Hosoro ame tolam-baravaragny roa sy tondohagny gne rà izay tao agnaty koveta. Tsy misy na iza na iza mahazo mizotso gne tragno mandra-piavin'ny maraigny.23Satria Yaveh da handalo mba handingagny ireo Egyptiana. Rehefa mahita gne rà ame tataom-baravaragny sy gne tondohagny, da handalo fotsiny gne varangaranareo ary tsy hamela gne mpandrignagny hiditry ao andragnonareo mba hamely anareo.24Tsy maintsy tandremanareo izany fotoagny izany. Ho lalàna mandrakariva ho anareo sy gne taranakareo izany.25 Rehefa hiditry gne tany izany homen'i Yaveh anareo, Araky izany efa nampagnatenainy ho aniny, da tsy maintsy hitandrigny izany fomba fivavahagny izany anareo.26Rehefa magnotany anareo gne zanakareo hoe: 'Ino gne dikany zao fomba fivavahagny izao?' 27da tsy maintsy mizaka anareo hoe: 'Sorogny Paskan'i Yaveh izao, satria nandalo tame tragnon'ireo Israelita tao Egypta Yavehrehefa namely an'ireo Egyptiana. Nagnafaky gne ankohonanay izy."' Da nandohaliky gne vahoaka ka nidera an'i Yaveh. 28Nandeha gne Israelita ka nagnano araky izay nandidiany Yave an'i Mosesy sy Arona.29Ary tame sasak'aligny da naringan'i Yaveh gne voalohan-teraky rehetra tao ame taniny Egypta, nanomboky tame vakirandron'i Farao, izay nipetraky teo ame seza fiandianany, hatramin'ny vakirandro olo nigadra mbamin'ny gne vakirandro gne biby fiompy aby. 30Nifoha i Farao ariva—izy, sy gne mpiasany aby ary gne Egyptiana rehetra. Nisy fitomagnigny mafy tao Egypta, satria tsy nisy tragno izay tsy nisy maty tao agnatiny.31Nangaiky an'i Mosesy sy Arona i Farao gne ariva ary nizaka hoe: "Mitsangana, miala eo ame vahoakako, ianareo sy ireo Israelita. Mandehana, manompoa an'i Yaveh, araky izay nambaranareo fa tianareo anigny. 32Ento gne ondry aman'osinareo sy gne ombinareo, araky izay nizakainareo, ary mandehana ka tsofo rano koa iaho. 33"Tao agnaty fahamaikana mintsy gne nandrohan'indreo Egyptiana azy ireo gne tany, satria hoy indreo: "Ho faty aby antsika."34Da nangalaky gne koba tsy misy lalivay gne vahoaka. Efa mifehy tao ame lambany sygne sorokiny gne sotroky sy gne lasetry hinanagny.35 Ary nagnano araky gne nizakany Mosesy azy indreo gne vahoakan'i Israely. Nangataky volafotsy,volamena, ary lamba tamireo Egyptiana indreo. 36Nanin'i Yaveh nila sitraky tamireo Israelita gne Egyptiana. Ka nomen'ireo Egyptiana aazy aby izay rehetra nangatahiny. Tamin'izay fomba izany no nandroban'Israelita an'ireo Egyptiana.
1Nangaiky an'i Mosesy i Yaveh teo agnoloan'gne tragno lay fihaogna, nagnano hoe: 2"Mirohona ame vahoakan'Israely ka zakay amindreo hoe: 'Raha misy olo aminareo mitondra fagnatitry ho an'i Yaveh, da mindesa raiky ame bibinareo ho fagnatitrareo, ndre da aomby ndre da ondry sy osy.3Raha fagnatitry hodoroa avy aomby gne aterinareo, da tsimaintsy lahy tsy kilemay gne hatolotriny. Hanolotry izany eo ame fidira ame tragno lay fihaogna izy, mba ho ankasitraha eo agnatrehan'i Yaveh izany. 4Hametray gne tagnany eo ame lohan'gne fagnatitry nodoroany izy, ary da ho ankasitraha nohon'gn'aminazy mba hanÿ fagnavota hoanazy.5Da aoka izy hamono gne aombilahy eo agnoloan'i Yaveh. Gne zanak'i Arona gne mpisorona, da hanolotry rà ary hamendraky izany eo ame alitara izay eo ame fidira ame lay fihaogna. 6Da aoka izy handotry gne fagnatitra nodoroa da hitetitetiky izany.7Da handrehitry afo eo ame alitara da hagnisy kitay kahampirehitry gne afo ireo zanak'i Arona. 8Ireo zanak'iArona, gne mpisorona, da hametraky gne tetiy,gne lohany sy gne saborany, hitandahatry eo ambonin'gne kitay izay efa mirehitry eo ambonin'gne alitara. 9Fa gne raha agnatiny sy gne tsobeny da tsy maintsy ho sasany ame rano. Da handoro gne raha agnaby eo ame alitara ho fagnatitry doroan'gne mpisorona. Hiteraky hagnitry malefaky ho Ahy izany; ho fagnatitra natao tame afo ho Ahy izany.10Raha avy ame ondry aman'osy gne fagnatiny ho ame fagnatitra nodoroa, da gne raiky ame ondry na raiky ame osy, da tsy maintsy lahy tsy kilemay gne meny. 11Aoka hamono izany eo ame sisiny avaratry ny alitara eo agnatrehan'i Yaveh izy. Ireo zanak'i Arona gne mpisorona, da hamafy gne ràn'izany ame sisin'gne alitara agnaby.12Da aoka izy hitetiky izany, miaraky ame lohany sy gne saborany, ary gne mpisorona da handahatry izany ame kitay efa mirehitry, izay eo ambonin'gne alitara, 13nefaoka ho sasany ame ranon'gne raha agnatiny sy gne tsobeny. Da hanolotry anazy agnaby gne mpisorona, ary handoro izany eo ame alitara. Fagnatitry doroana izany, ary hiteraky hagnitry malefaky ho an'i Yaveh; ho fagnatitry nanÿ tame afo hoan'Azy izany.14Raha fagnatirty nodoroa vorona gne fagnatitriny ho an' Yaveh, da tsy maintsy mitondra na domohy na zana-boromamanga ho fagnatitriny izy. 15Tsy maintsy mitondra izany eo ame alitaragne mpisorona, magnotaky gne lohany, ary handoro izany eo ame alitara. De araraky eo ame alitara gne ràn'izany.16Tsy maintsy halàny gne takorobabon'izany miaraky ame fidobohany, ary hariany mariny gne alitara eo atsignana izany, eo ame toitriny gne lakevo. 17Tsy maintsy hagnapoha izany avy eo ame elatriny izy, nefa tsy azo zarainy ho roy izany.Da handoro izany eo ame alitara gne mpisorona, eo ame kitay efa mirehitry. Ho fagnatitry doroa izany, ary hamoaky hagnitry malefaka ho an'i Yaveh; ho fagnatitry natao tame afo hoan'Azy izany.
1Raha misy mitondra fagnatitry voany ho an'i Yaveh, da aoka ho koba tsara disa gne raha ateriny, ary handraraky menaky eo am'izany sy hametraky ditin-kazo magnitry eo am'izany izy. 2Hitondra gne raha atery eo amin'gne mpisorona zanak'i Arona izy, da hangala koba tsara disa tagna miaraky ame menaky sy ditin-kazo magnitry eo am'izany gne mpisorona. Da handoro gne fagnatitry eo ame alitara ho fagnati-pahatsiarova gne mpisorona. Hamoaky hagnitry malefaky ho an'i Yaveh izany; ho fagnatitra atao tame afo hoan'Azy. 3Izay sisa tapetraky amin'gne fagnatitry hohany da ho an'i Arona sy gne zanany lehilahy. Masina tokoa avy amin'gne fagnatitry ho an'i Yaveh nanÿ tame afo ho an'i Yaveh izany.4Raha manolotry fagnatitry voany tsy misy lalivay izay nandrahoy tame lafaoro enao, da avaoka ho mofo malemy namboary tame koba tsara disa miharo menaky izany, na mofo mafy tsy misy lalivay, izay voahosotry menaky. 5Raha nandrahoy tame lasitry vy fisaky gne fagnatitry voany, da aoka ho avy ame koba tsara disa tsy misy lalivay izay miharo menaky izany.6Ho zarainao izany da handraraha menaky eo aminazy. Fagnatitry nodoroa izany. 7Raha nandrahoy tame lasitry ny fagnatitry voany anao, da aoka anÿ ame koba tsara disa sy menaky izany.8Aoka hitondra fagnatitra voany namboary avy tamin'gne raha io ho an'i Yaveh enao, ary izany da haboaky eo ame mpisorona, izay hinday izany eo ame alitara. 9Da hangala sasany ame fagnatitry voany ho fagnati-pahatsiarova gne mpisorona, da handoro izany eo ame alitara izy. Ho fagnatera tame afo izany, ary hahatonga hagnitry ankasitraha ho an'i Yaveh. 10Izay ambin'ny soro hohany da ho an'i Arona sy gne zanany lahy.Masina tokoa avy amin'gne fagnatera ho an'i Yaveh nanÿ tame afo hoan'i Yaveh izany.11Tsy hisy fagnatitry voany ho atolotrinao ho an'i Yaveh ka hisy lalivay, satria tsy tokony handoro masirasira, na tantely, ho fagnatitry nanÿ tame afo ho an'i Yaveh enao. 12Hanolotry ireo ho fagnatitry voaloham-bokatry ianao ho an'i Yaveh, nefa tsy hampiasay hamoaha hagnitry malefaky eo ame alitara eo. 13Aoka hagnome tsiro gne tsirairay ame fagnatitry voa ame sira enao. Aoka tsy hoadignonao mihitsy ame fagnatitry voa gne siran'gne faneken'Andriamanitrao. Manolora sira amin'gne fagnatitrao agnaby.14Raha manolotry fagnatitry voa ame voaloham-bokatry ho an'i Yaveh enao, da manolora voany vaovao izay natono tame afo sy norotehy hohany avy teo. 15Daoka hagnisy menaky sy ditin-kazo manitra ao am'izany enao. Izany gne fagnatitry voany. 16Ary handoro gne ilan'gne voany voadisa sy menaky da ditin-kazo magnitry ho fagnati-pahatsiarova gne mpisorona. Fagnatitry nanÿ tame afo ho an'i Yaveh izany.
1Raha misy olo manolotry, fagnatitry izay fagnati-pihavana ame raiky amin'gne biby avy ame andian'aomby gne olo raiky,na lahy na vavy,aoka izy hagnome biby tsisy kilema magnoloa an'i Yaveh. 2Hametrakagne tagnany eo an-dohan'gne fannatitriny izy ary hamono izany eo ambarangaran'gne lay fihaogna. Ary ireo zanakalahin'i Arona mpisorona hamafy gne ràny amin'gne lafin'gne alitara.3Hanolotry soron'ny fagnati-pihavana ame afo ho an'i Yaveh ilay lehilahy. Gne sabora izay mandrakotry ndre mifandray ame faritry agnaty, 4ary gne voany roy sy gne sabora izay eo amindreo ame alalan'gne valahiny, sy gne ilan'gne aty, miaraky ame voany—da hangala izany agnaby izy. 5Gne zanaky lahin'i Arona da handoro izany eo ambonin'gne alitara miaraky ame fagnatitry doroa, izay ambonin'gne kitay efa mirehitry. Hamoaky hagnitry malefaky ho an'i Yaveh izany; ho fagnatitry doroa nanÿ hoan'Azy ame alalan'gne afo izany.6Raha ohatry ka avy ame ondry am'gne osy nosoron'gne fagnati-pihavanan'gne lehilahy ho an'i Yaveh; ndre lahy ndre vavy, da tsy maintsy manolotry soro tsy misy kilema izy. 7Raha manolotry zanak'ondry hataony soro izy, da tsy maintsy atolotriny magnoloa an'i Yaveh izany. 8Hametraky gne tagnany eo an-dohan'gne fagnatiny sy hamono izany eo agnoloan'gne lay fihaogna izy. Ary hamafy gne ràny ame sisin'gne alitara gne zanaky lahin'i Arona.9Hanolotry gne soron'gne fagnati-pihavana akô gnefagnatitry vita tame afo ho an'i Yaveh gne lehilahy. Gne sabora, gne rambo vondraky agnaby da hotapahy magnakeky gne tolan-damosy, ary gne sabora izay mandrakotry gne faritry anaty sy gne sabora agnaby magnakeky gne faritry agnaty, 10ary gne voany roy sy gne sabora agnatin'io, da gne anatin'gne valahiny, gne ila-atiny ,miaraky amin'gne voany—da halàny agnaby izany. 11Da handoro izany agnaby eo ame alitara mitovy gne fagnatitry doroa hohany ho an'i Yaveh gne mpisorona.12Raha ôtraky ka osilahy gne fagnatitry gne lehilahy, da hanolotry izany eo agnoloan'i Yaveh izy. 13Aoka izy hametraky gne tagnany eo an-dohan'gne osilahy ary hamono izany magnoloa gne lay fihaogna. Da hamafy gne ràn'izany ame lafin'gne alitara gne zanaky lahin'i Arona. 14Hanolotry gne sorony nanÿ tame afo ho an'i Yaveh gne lehilahy. Hangala gne sabora izay mandrakotry gne faritry agnaty izy, ary gne sabora aby manakeky gne faritry agnaty.15Hangala gne voany roy sy gne sabora izay miaraky amin'ireo izy, izay marikitry gne valahiny, arygne ila-atiny miaraky ame voany. 16Handoro izany agnaby eo ambony alitara akô fagnatitry hohany nodoroa gne mpisorona, mba hamoaky hagnitry mamy. An'i Yaveh gne sabora agnaby. 17Ho lalàgny mandrakizay ame taranakareo fara mandimby am'izay toera agnaby hodianareo izany, da aoka tsy hihina sabora na rà enareo."'
1Niresaky tamin'i Mosesy i Yaveh, nagnano hoe: 2"Zakay gne vahoakan'Israely hoe: 'Raha misy olo manota nefa tsy nagniry gne hanota, nagnano io zavatry izay nandidian'i Yaveh mba tsy ho anÿ, ary raha magnano raha izay voarara izy, da tsy maintsy anÿ itoa magnaraky itoa. 3Raha ôtry ka gne mpisoronabe gne manota ka minday fagnameloha eo ame vahoaky, da aoka izy hanolotry vantotr'aomby lahy tsy misy kilema ho an'i Yaveh ho fagnatitry nohon'gne ota.4Aoka izy hinday aomby lahy eo ame fidiran'gne tragno lay fihaogna eo agnatrehan'i Yaveh, hametraky gne tagnany eo ame lohany, ary hamono gne aombilahy eo agnatrehan'i Yaveh. 5Gne mpisorona voahosotry da hangala pitiky ame ràn'gne aombilahy ary hinday izany ho ao amin'gne lay fihaogna.6Hanetry gne tagnany ao amin'gne rà gne mpisorona ka hagnaparitaky izany im-pito eo anatrehan'i Yaveh, eo akatrefan'gne lamban'gne fidoboha masina indrindra. 7Avy teo mpisorona da hangala amin'gne rà ho eo amin'gne tandrok'gne alitaran'gne dinti-kazo magnitry eo agnatrehan'i Yaveh, izay ao amin'gne lay fihaogna, ary handraraky gne sisa agnaby ambon'gne ràn'gne aombilahy agny ame fagnambanin'gne alitara izy ho fagnatitry doroa, izay eo ame fidiran'gne lay fihaogna.8Hangala gne sabora agnaby an'gne aomby anÿ fagnatitry nohon'gne ota izy; gne sabora izay mandrakotry gnefaritry agnatiny, gne sabora agnaby izay miraikitry ame faritry agnaty, 9gne voany roy sy gne sabora izay eo amin'io, izay akaikin'gne valahiny, ary gne atiny, miaraky amin'gne voa—hangala izany agnaby Izy. 10Halany aby izy agnaby, akô gne nagnendahany izany tamin'gne aomby nanÿ soron'gne fagnati-pihavana. Avy eo gne mpisorona da handoro gne sasany eo ame alitara ho fagnatitry doroa.11Gne hoditr'igny aomby sy izay hena tasisa, miaraky ame lohany sy gne tongony ary gne tagnatiny sy gne taimborakiny, 12gne ambon'gne vatan'igny aomby agnaby—hindesiny ivelan'gne toby aby io asasany io hoagny amin'gne toera izay efa nodiovindreo ho Ahy, izay nandrarahandreo lakevo; handoro gne asasany eo ambonin'gne kitay indreo. Aoka gne asasany io hodorandreo eo amin'gne nandrarahandreo gne lakevo.13Raha manota tsy sitrapo gne fiangonan'Israely agnaby, ary tsy lalan'gne fiangona fa nanota indreo ary nagnano izay nandraran'i Yaveh tsy hanÿ, ary raha diso indreo, 14da refa fantatry gne ota nanìndreo, da aoka gne fiangona hanolotry vantotr'aomby ho fagnatitry nohon'gne ota ary hinday izany eo agnoloan'gne trano lay fihaogna. 15Gne loholon'gne fiangona da hametraky gne tagnandreo eo ame lohan'gne aomby anoloan'i Yaveh, ary ho vonoy eo akatrefan'i Yaveh gne aomby lahy.16Gne mpisorona voahosotry dahinday kidikidy amin'gne handeha ame tragno lay fihaoana, 17ary hanetry gne tagnany ao amin'gne rà ary hamafy izany im-pito eo akatrehan'i Yaveh, eo akatrehan'gne lamba.18Hagnosotry kidikidy amin'gne rà eo amin'gne tandroky gne alitara izay eo akatrehan'i Yaveh izy, izay ao ame tragno lay fihaogna, ary handraraky gne rà aby eo ame fagnambanin'gne alitara ho fagnatitry doroa, izay eo ame fidiran'gne tragno lay fihaogna. 19Hagnala gne sabora agnaby eo am'izany izy ary handoro izany eo amin'gne alitara.20Izany no aoka anìny amin'gne aomby. Akô gne nanÿ tamin'gne aomby nanÿ fagnatitry nohon'gne ota, nohon'gne amin'io aomby io gne mpisorona da hagnano fagnavota hoan'gne vahoaky, da ho voavela indreo.21Hindesiny ivelan'gne toby gne aomby ary handoro izany akô gne nandorony gne aomby voalohany izy. Izany gne fagnatitry nohon'gne ota hoan'gne fiangona.22Refa manota tsy sitrapo gne mpanapaky, amin'gne fagnamboara gne raiky amin'gne raha agnaby izay nandidian'i Yaveh mba tsy anÿ, da diso izy, 23da hampahafantary anazy gne ota izay nataony, aoka izy hinday osy, osilahy tsy misy kilema ho sorony.24Hametraky tangany eo ame lohan'gne osy izy ary hamono izany eo ame toitry izay namonoandreo gne fagnatitry doroa teo akatrehan'i Yaveh. Fagnatitry nohon'gne ota izany. 25Gne mpisorona da hangala gne ràn'gne fagnatitry nohon'gne ota ame tagnany ary hametraky izany eo amin'gne tandroky gne alitara ho fagnatitry doroa, ary handraraky gne ràn'izany eo amin'gne fagnambanin'gne alitaran'gne fagnatitry doroa izy.26Hodoroany eo ame alitara gne sabora agnaby, akô gne sabora tamin'gne soron'gne fanati-pihavana. Gne mpisorona da hagnano fanavota ho an'gne mpanapaky mahakasiky gne otany, ary da ho voavela gne mpanapaky.27Raha misy raiky amin'gne sarambabem-bahoaky manota tsy sitrapo, ame fagnamboara raha nandidian'i Yaveh andreo tsy hanÿ, ary refa fantany gne helokiny, 28da ho ampahafantary anazy gne ota izay nanìny ary hinday osy raiky, osivavy tsy misy kilema ho sorony izy, ho an'ny ota iza naniny.29Hametraky gne tagnany eo ame lohan'gne fagnatitry nohon'gne ota izy ary hamono gne fagnatitry nohon'gne ota eo ame toeran'gnefagnatitry doroa. 30Gne mpisorona da hangala kidikidy amin'gne rà ame tagnany ary hametraky izany eo ame tandroky gne alitara ho fagnatitry doroa. Handraraky gne ambon'gne rà agnaby eo ame fagnambanin'gne alitara izy.31Hangala gne sabora agnaby izy, akô gne nangala gne sabora tame soron'gne fagnati-pihavana. Hodoroan'gne mpisorona eo ame alitara izany mba hamoaky fofony magnitry ho an'i Yaveh. Hagnano fagnavota hoan'gne olo gne mpisorona, ary ho voavela izy.32Raha minday zanak'ondry hanìny sorona ho fagnatitry nohon'gne ota gne lehilahy, da hinday ondry vavy tsy misy kilema izy. 33Hametraky gne tagnany eo ame lohan'gne fagnatitry nohon'gne ota izy ary hamono izany ho fagnatitry nohon'gne ota eo amin'gne toera izay hamonoandreo gne fagnatitry doroa.34Gne mpisorona da hangalany kidikidy amin'gne ràn'gne fagnatitry nohon'gne ota ame ratsan-tagnany ary hametraky izany eo amin'gne tandroky gne alitara ho fagnatitry doroa, ary ho ararakiny eo ame fagnambanin'gne alitara aby gne ràn'izany. 35Hangala gne sabora agnaby izy, akô gne nangala gne saboran'ilay zanak'ondry tame soron'gne fagnati-pihavana, ary ho doroan'gne mpisorona eo ame alitara eo ambonin'gne fagnatitr'i Yaveh vita ame afo izany. Hagnano fagnavota hoanazy gne mpisorona nohon'gne ota izay nanìny, ary ho voavela gne lehilahy.
1Nizaka tamin'i Mosesy i Yaveh, nagnano hoe: 2"Raha misy olo manota ary mandika gne lalàna manohitry an'i Yaveh, akô gne hoe mifagnaraky ambadiky miaraky ame namany mikasiky gne raha izay nankiny taminazy, raha mamitaky izy na manafiky anazy, na mampijaly gne namany, 3na nahita raha izay noverezin'gne namany ka mavandy gne am'izany, ary miangoso ame vandy, na gne amin'gne raha akô gne hamboarin'gne olona, 4da, raha manota izy ka meloky, da tsy maintsy hagnapody izay raha nalainy tame alalan'gne fanafiha na fampijalia na nangala izay nankiny taminazy na raha very ka hita indraiky.5Na navandy gne ameraha agnaby izy, da tsy maintsy hagnapody izany aby ary tsy maintsy hagnampy raiky am-pahadimy honera am'izay tompon'izany, ame andro izay naha meloky azy. 6Datsy maintsy hinday gne fagnati-pagnonerany ho an'i Yaveh izy: ondry lahy tsy misy kilema avy ame ondry aman'osy izay mifagnaraky gne tombam-bidiny, ho fagnati-pagnonera ho an'gne mpisorona. 7Hagnano fagnavota hoanazy magnatriky an'i Yaveh gne mpisorona, ary ho voavela amin'izay raha nahatonga anazy ho meloky ame nataony izy.''8Dia nizaka tamin'i Mosesy i Yaveh, nagnano hoe: 9"Didio i Arona sy gne zanany, zakay hoe: 'Izao gne lalàn'gne fagnatitry doroa: Tsy maintsy eo ambony fatan'gne alitara agnatin'gne matognaly manontolo mandra-pandray gne fagnatitry doroa, ary gne afon'gne alitara da ho avela hirehitry.10Hanao gne akanjony rongony fotsy gne mpisorona, ary hagnano gne atin'akanjo gne rongony fotsy avaokoa izy. Hangala gne lakevo izay tavela tafaran'gne nandevegnan'gne afo nge fagnatitry doroa eo ambony alitara izy, ary hametraky gne lakevo eo akaikin'gne alitara. 11Hangala gne fitafiny izy ary hampiditry gne akanjony hafa mba hindesagne lakevo hijotso gne toby ho any ame toera izay madio.12Gne afo eo ame alitara da hampetraky hirehitry. Aoka tsy hivoaky izany, ary gne mpisorona da handoro hazo eo ambonin'izany isake-mandray. Handamina gne fagnatitry doroa arak'izay taky am'izany izy, ary handoro gne saboran'gne fagnati-pihavana izy. 13Tana hirehitry eo ambony alitara fehizay gne afo. Aoka tsy hivoaka izany.14Izao gne lalàn'gne fagnatitry voany. Hanolotry izanymagnatriky an'i Yaveh magnatriky gne alitara ireo zanaky lahin'i Arona. 15Hangala koba tsara disa erake-tagna ame fagnatitry voany sy ame menaky ary ditin-kazo magnitry izay eo ambonin'gne fagnatitry voany mpisorona, ary handoro izany eo ambony alitara mba hamoaky fofogy magnitry gne fagnati-pahatsiarova izany.16Hihina izay sisa ame fagnatitry i Arona sy gne zanany lahy. Tsy maintsy hohany tsy misy lalivay ao ame fidoboha masina izany. Hihina ao ame bajan'gne tragno lay fihaogna indreo. 17Aoka tsy ho hendasy miaraky ame lalivay izany. Nomeko ho anjarandreo ame fagnatitriko nanÿ tame afo izany. Masina indrindra izany, akô gne fagnatitry nohon'gne ota ary fagnati-pagnonera izany. 18Fa agnatine fotoa agnaby hiavian'gne taranakao faramandimby, gne taranaky lahy sasany avy am'i Arona da aoka hihina izany akô gne fizaràny, nalay avy tamin'gne fagnatitr'i Yaveh natao tame afo. Ndre ia ndre ia mikasiky izany da ho lasa masina."'19Ka nizaka tamin'i Mosesy indraiky i Yaveh, nagnano hoe: 20"Izao gne fagnatitr'i Arona sy gne zanany lahy, izay homendreo an'i Yaveh ame andro izay hagnosora gne zanaky lahy agnaby: gne ampahafolon'gne efaha raiky ame koba tsara disa ho akô fagnatitry voany fatao mahazatry, antsasany am'izany ame mandray ary gne antsasany amin'izany ame hariva.21Ho vita ame menaky agnaty lasitry mofo izany. Refa vonto menaky izany, da hindesinao miditry izany. Voaendy gne hanoloranao gne fagnatitry voany mba hamoaky hagnitry mamy hoan'i Yaveh. 22Gne zanaky lahin'gne mpisoronabe izay avy ho mpisoronabe vaovao amin'gne zananilahy nohanolotry izany. Araky gne efa nandidia hatrizay, da hodoroa ho an'i Yaveh izy agnaby amin'izany. 23Gne fagnatitry voan'gne mpisorona da hodoroa agnaby. Aoka tsy ho hoany izany."24Nizaka tamin'i Mosesy indraiky i Yaveh, magano hoe: 25"Mizaka amin'i Arona sy gne zanany lahy, magnano hoe: ''Izao gne lalàn'gne fagnatitry noho gne fahota: Gne fagnatitry nohon'gne fahota da tsy maintsy vonoy eo ame toera izay namonoa gne fagnatitry doroa magnatitriky an'i Yaveh. Masina indrindra izany. 26Gne mpisorona izay hanolotry izany hoan'gne fahota da hihina izany. Tsy maintsy hohany agny ame fitoera masina ao ame banjan'gne tragno lay fihaogna izany.27Ndre ia ndre ia mikasiky gne henan'izany da ho lasa masina, ary raha mifafy ame akanjo gne rà, da tsy maintsy sasa agny ame toera-masina gne faritry izay nipitsihany. 28Fa gne vilagny tanimanga izay nampangotraha izany da ho vakÿ. Raha nampangotraha tagnaty vilagny varahy izany, da aoka ho kosehy sy ho sasa madio ame rano izany.29Gne lehilahy sasany amin'gne mpisorona da mahazo mihina am'izany satria masina indrindra izany. 30Fa ràn'gne fagnatitry noho gne fahota izay nindesy tao ame tragno lay fihaogna mba hamboara famonje agny ame toera masina da tsy azo hohany. Aoka hodoroa izany.
1Yaveh nijaka tamin'i Mosesy, nagnano hoe: 2"Alay i Arona sy gne zanany lahy miaraky aminazy, gne fitafia sy gne menaky fagnosora gne aomby lahy ho an'gne fagnatitry nohon'gne ota, gne ondry lahy roy, ary gne haro pisy mofo tsy misy masirasira. 3Alagnono eo ame fidiran'gne tragno lay fihaogna gne fiangona agnaby."4Ka da nagnano araky gne nandidian'i Yaveh azy i Mosesy, ary avy nivory tamin'gne fidira ame tragno lay fihaogna gne fiangona. 5Avy teo nizaka tame fiangona i Mosesy hoe: "Izao gne nandidian'i Yaveh hamboary."6Nindesin'i Mosesy i Arona sy gne zanany lahy ary nosasany tame rano indreo.7Nampisikiny an'i Arona gne siky lava ary nafehiny tame vaniany gne hetry, nampisikiny tohitegna izy ary nasiany efoda tegny aminazy, ary da nafehiny taminazy gne efoda niaraky tame lamba voarary madiniky ka nofeheziny taminazy izany.8Napetrakiny taminazy gne tako-tratra, ary tao agnatin'gne tako-tratra gne nasiany gne Orimasy gne Tomima. 9Nametraky gne hamama tame lohany izy, ary tame hamama, teo agnoloa, gne nagnisiany gne takela-bolamena, sy gne diadema masina, araky gne nandidian'i Yaveh azy.10Nangala gne menaky fagnosora i Mosesy, ka nagnosotry gne tabernakely sy izay raha tao aminazy ary nanoka iregny ho an'i Yaveh. 11Namafy gne menaky teo ame alitara impito izy, ary nagnosotry gne alitara sy gne fanaky agnaby tao agnatiny, ary gne tavy sy gne lelatongony, mba hanoka ireo ho an'i Yaveh.12Nandraraky gne sasany tame menaky fagnosora tame lohan'i Arona izy ka nagnosotry azy mba hanokana anazy. 13Nindesin'i Mosesy gne zanaky lahin'i Arona ary nampisikininy siky lava indreo. Namehy hetry tame vaniandreo izy ary namogny lamba rongony fotsy tan-dohandreo, araky gne nandidian' i Yaveh azy.14Ninday gne aomby lahy ho ame fagnatitry nohon'gne ota i Mosesy, ary Arona sy gne zanany lahy da nametraky gne tagnandreo teo ame lohan'gne aombilahy izay avy nindesindreo ho ame fagnatitry nohon'gne ota. 15Novoniny izany, ary nangala gne rà sy nagnano izany tagnatin'gne anjomaran'gne alitara tame fanondrony izy, nagnadio gne alitara, nagnidy gne rà teo ame fagnambanin'gne alitara, ka nanoka izany ho an'Andriamanitra mba hagnamborany fagnonera ho am'izany.16Nangala nge sabora agnaby izay tao agnatiny izy, gne saron'aty, sy voany roy ary gne saborany, ary nandoro ireo teo ame alitara i Mosesy. 17Fa gne aomby lahy, gne darony, gne henany, sy gne taim-borakiny kosa da nodoroany ivelan'gne toby, araky gne nandidian'i Yaveh azy.18Nanolotry gne ondrilahy ho ame fagnatitry doroa i Mosesy, ary Arona sy gne zanany lahy da nametraky gne tagnany teo ame lohan'gne ondry lahy. 19Novoniny izany ka nafafy magnodidy gne lafin'gne alitara agnaby gne ràny.20Notetehiny gne ondry lahy ary nodoroa gne lohany sy gne ilany ary gne saborany. 21Nosasainy tame rano gne atiny sy gne tongony, ary nadoro gne ondry lahy manontolo teo ame alitara izy. Izany gne fagnatitry doroa ary namoaky hagnitry magni-pofo izany, fagnatitry vita tame afo ho an'i Yaveh araky gne nandidian'i Yaveh an'i Mosesy.22Avy eo da nanolotry ondry lahy iray hafa i Mosesy, gne ondry lahin'gne fagnamasina, ary Arona sy gne zanany lahy da nametraky gne tagnany tamin'gne lohan'gne ondrilahy.23Novonoin'i Arona izany, ary nangala tamin'gne ràny i Mosesy ka nametraky izany tame tendron'gne ravintsofin'i Arona ankavana, teo ame tondroben-tagnany ankavana, sy teo ame tondrobe-tongony ankavana. 24Nindesiny gne zanakalahin'i Arona, ary nametraky sasany tamin'gne rà tame tendron'gne ravintsofindreo havana, tame tondrobe-tagnandreo ankavana, sy tame tondrobe-tongotrindreo ankavana izy. Avy teo Mosesy namafy gne ràn'izany magnodidy gne lafin'gne alitara agnaby.25Nalainy gne sabora, gne rambo vondraky, gne sabora agnaby izay tao ame atiny, gne saron'aty, gne voany roy sy gne saborany, ary gne sorony havana. 26Avy tame haro fitoera-mofo tsy misy masirasira izay teo anatrehan'i Yaveh, gne nangalany mofo tsy misy masirasira raiky, ary mofo voaisy menaky, sy mofo manify, ary nametraky ireo tame sabora sy tame sorokiny havana. 27Napetrakiny tegny an-tagnan'i Arona sy gne tanan'gne zanany lahy izy agnaby io ary nahevahevany teo agnatrehan'i Yaveh io mba ho fagnatitry ahevaheva.28Da nangala io tegny an-tagnandreo i Mosesy ka nandoro io tep ame alitara ho ame fagnatitry doroa. Io da fagnatitry fagnamasina ary namoaky hagnitry magni-pofona. Izany gne fagnatitry nanÿ tame afo ho an'i Yaveh. 29Nandray gne tratra sy nanevaheva izany hofagnatitry ahevaheva hoan'i Yaveh i Mosesy. Izany gne fizaran'i Mosesy gne ondry lahy ho an'gne fanokana gne mpisorona, araky gne nandidian'i Yaveh azy.30Nangala tamin'gne menaky fagnosora sy gne rà izay tame alitara i Mosesy; namafy ireo tamin'i Arona, tamin'gne sikiny, tamin'gne zanany lahy, sy tame sikin'gne zanany lahy izy. Akô izany no nanokanany an'i Arona sy gne sikiny, ary zanany lahy sy gne sikindreo hoan'i Yaveh.31Ka da nizaka tamin'i Arona sy gne zanany lahy i Mosesy hoe: "Ampangotrahy eo ame fidira megna ame tragno lay fihaogna gne hena, ary hano izany sy gne mofo izay ao ame haron'gne fagnamasina, araky gne nandidiako, nagnano hoe: 'Hihina izany i Arona sy gne zanany lahy. ' 32Iza sisa agnaby ame hena sy gne mofo da doroy. 33Aza mijotso avy ao ame fidiran'gne trano lay fihaogna ao agnatin'gne hafitoa enareo, mandra-pahavita gne andron'gne fanokana anare jehvah gne hanamasina anareo ao agnatin'gne hafitoa.34Izay efa nanÿ androany—da nodidian'i Yaveh ho vita mba hagnanova fagnonera ho anareo. 35Hipetraky fezay ame fidiran'gne tragno lay fihaogna mandrapahavitan'gne hafitoa enareo, ary hitandry gne didin'i Yaveh, mba tsy ho faty enareo, satria izany no efa nandidia anahy." 36Ka da nagnano gne raha agnaby izay nandidian'i Yaveh andreo tame alalan'i Mosesy i Arona sy gne zanany lahy.
1Tame andro fahavalo da nangehin'i Mosesy i Arona sy gne zanany lahy ary gne loholon'Israely. 2Nizaka tamin'i Arona izy hoe: "Mangalà zanak'aomby avy ame andian'omby ho fagnatitry nohon'gne fahota, ary zanak'ondry tsy misy kilema ho fagnatitry doroa, ary atolory eo agnatrehan'i Yaveh io.3Aoka enao hizaka ame vahoakan'Israely ka hagnano hoe: 'Mangalà osy lahy ho fagnatitry nohon'gne ota ary zanak'aomby sy zanak'ondry, samy erin-tao ary tsy misy kilema, ho an'gne fagnatitry doroa; 4mangalà evaoko aomby sy ondry lahy hoan'gne fanati-pihavana mba ho soro magnatrikan'i Yaveh, ary fagnatitry voany mifangaro ame menaky satria haboaky aminao amizao i Yaveh."' 5Koa nitonday izy agnaby izay nandidian'i Mosesy ho ao ame tragno lay fihaogna indreo, ary nagnato gne fiangonan'Israely agnaby ary nitsanga magnatriky an'i Yaveh.6Da nizaka i Mosesy hoe: "Izao gne nandidin'i Yaveh anareo ho anÿ, mba ahafahan'gne voninahitriny hiseho aminareo." 7Nizaka tamin'i Arona i Mosesy hoe: "Mandehana akaikin'gne alitara ary manolora gne fagnatitry nohon'gne ota sy gne fagnatitry doroa, ary mamboara fagnavota hoan'gne tegnanao sy ho an'gne vahoak, ary manolora soro ho an'gne vahoaky mba hagnamboara fagnavota ho andreo, araka izay nandidin'i Yaveh."8Ka nandeha narikitry gne alitara i Arona ary namono gne zanak'aomby ho fagnatitry nohon'gne ota, izay ho an'gne tegnany.9Naboakin'gne zanakalahin'i Arona taminy gne rà, ary nandromboky gne rantsan-tagnany tagnatin'izany izy ary nametraky izany eo ambonin'gne tandroky gne alitara; avy eo da nagnisy gne rà teo ame fagnambanin'gne alitara izy.10Ndre izany aza, nandoro gne sabora, gne voany, ary gne sarak'aty teo ambony alitara ho fagnatitry nohon'gne ota araky gne nandidian'i Yaveh an'i Mosesy izy. 11Gne hena sy gne hoditry da nodoroany teo ivelan'gne toby.12Novonin'i Arona gne fagnatitry doroa, ary nomen'gne zanany lahy azy gne rà, izay nahosotriny tegny ame lafin'gne alitara agnaby. 13Da nomendreo anazy isaky gne asasany gne fagnatitry doroa, miaraky amin'gne lohany, ary nandoro izany teo ambony alitara izy. 14Nanasa ireo tao agnatiny sy gne tongony izy ary nodoroany teo ambonin'gne fagnatitry doroa teo ae alitara ireo.15Nanolotry gne soron'gne vahoaky i Arona—osy lahy raiky, ary nangala izany ho sorona nohon'gne otandreo ary namono izany; nanao soro izany nohon'gne ota izy, araky izay nataony tamin'gne osilahy voalohany. 16Nagnaboaky gne fagnatitry doroa sy nagnome izany araky izay nandidian'i Yaveh izy. 17Nagnabiaky gne fagnatitry vary izy; nameno gne tagnany tamin'izany izy ary nandoro izany teo ambony alitara, miaraky ame fagnatitry doroa mandray.18Novoniny evao koa gne omby sy gne osy lahy, soro ho an'gne fagnati-pihavana, izay hoan'tame olona. Nomen'gne zanakalahin'i Arona azy gne rà, izay nafafy tame lafin'gne alitara agnaby. 19Nndre izany aza, nalandreo gne saboran'gne aomby sy osy lahy, gne sabora izay mandrakotry gne faritry agnatiny,gne voany, ary gne sarak'aty.20Nangala zara izay voarasa indreo ary nametraky izany teo ambonin'gne tratra, ary da nagnoro gne sabora teo ambonin'gne alitara i Arona. 21Ary Arona nanevaheva gne tratra sy gne tsobe ankavana ho fagnatitry ahevaheva teo agnatrehan'i Yaveh, araky gne efa nandidian'i Mosesy.22Da nanandratry gne tagnany teo ame vahoaky i Arona ary nitso-drano andreo; da nidigny avy ame fagnatera gne fagnatitry noho gne ota izy, gne fagnatitry doroa, ary gne fagnati-pihavana. 23Niditry tao ame tragno-lay fihaogna i Mosesy sy Arona, avy eo da nivoaky indraiky indreo ka nitso-drano gne vahoaky, ary niboaky tame olo agnaby gne voninahitr'i Yaveh. 24Nisy afo niboaky avy agny amin'i Yaveh ka nandevogny gne fagnatitry doroa sy gne sabora teo ambony alitara. Refa nahita izany gne olo agnaby, da nikiaky indreo ary nampindriky gne tarehiny.
1Nadaba sy Abiho, zanakalahin'iArona, da samby nangala fitondragn'afony, nagnisy afo teo am'izany, ary avy eo ditin-kazo magnitra. Avy eo indreo nanolotry afo tsy neke teo agnatrehan'i Yaveh, izay tsy nandidiany andreo mba ho atolotry. 2Koa nisy afo nivoaky avy teo agnatrehan'i Yaveh ary nandevogny andreo, ary maty teo agnatrehan'i Yaveh indreo.3Avy eo Mosesy nizaka tamin'i Arona hoe: "Izao gne noresahan'i Yaveh refa nizaka Izy hoe: 'Hagnambara gne fahamasinako amin'ireo izay avy manakaiky Ahy Aho. Homem-boninahitry eo agnatrehan'gne vahoaky agnaby Aho.'" Tsy nizaka ndre ino ndre ino i Arona. 4Nangaiky an'i Misaela sy Elzafana, zanakalahin'i Oziela rahalahan-drain'i Arona i Mosesy, ary nizaka tamindreo hoe: "Mandehana aty ary indeso agny ivelan'gne toby avy ao anatrehan'gne tabernakely gne rahalahinareo."5Koa nagnato marikitry indreo ary ninday andreo mbola nagnano gne sikiny lava maha-mpisorona andreo ivelan'gne toby, araky gne nozakain'i Mosesy. 6Avy eo i Mosesy da nizaka tamin'i Arona sy Eleazara ary Itamara, gne zanany lahy hoe: "Aza mirakaraka volo, ary aza rovity gne sikinareo, mba tsy ho faty enareo, ary mba tsy ho vignitry ame fiangona agnaby Yaveh. Fa apetraho gne havanareo, gne taranak'Israely gnaby, mba hisao an'ireo izay nodoroan'gne afon'i Yaveh. 7Aoka tsy handeha ivelan'gne fidira ao ame lay fihaogn enareo, raha tsy izany da ho faty enareo, satria aminareo gne menaky fagnosoran'i Yaveh." Koa nagnano araky gne zakan'i Mosesy indreo.8Niresaky tamin'i Arona i Yaveh, nagnano hoe: 9"Aza misotro divay na zava-pisotro mahery, anao, na gne zanakao lahy izay sisa miaraky aminao, refa megnagny ame lay fihaogna enareo, mba tsy ho faty enareo. Ho lalàna mahadigny ho an'gne taranaky gne vahoakinao izany, 10mba hagnavaha gne masina sy gne itambara, ary gne maloto sy gne madio, 11ka mba hampianatry gne vahoakan'Israely an'gne lalàna agnaby izaynandidin'i Yaveh tame alalan'i Mosesy enao."12Niresaky tamin'i Arona sy Eleazara ary Itamara, zanany lahy sisa tavela i Mosesy hoe: "Alay gne fagnatitry hohany izay tavela avy tamin'gne fagnatitry nanÿ tame afo hoan'i Yaveh, ary hano miaraky amin'gne lalivay eo ankilan'gne alitara izany, satria masina indrindra izany. 13Aoka enareo hihina izany ao ame toera masina, satria anjaranao sy anjaran'gne zanakao lahy tamin'gne fagnatitry vita tame afo ho an'i Yaveh izany, fa izany gne nandidia ahy ho zakay aminao.14Gne tratra izay mihevaheva sy gne soroky izay naboaky amin'i Yaveh da aoka hohaninareo egny ame toera madio eken'Andriamanitra. Enao sy gne zanako lahy ary gne zanako vavy da tokony mihina gne anjara gne, fa ome akô gne anjaranao sy anjaran'gne zanakao lahy avy ame soro fagnati-pihavanan'gne vahoakan'Israely gne. 15Gne soroky izay aboaky sy gne tratra izay mihevaheva, da tsy maintsy indesindreo miaraky ame matavy vita tame afo, mba hoahofahofa eo agnatrehan'i Yaveh. Ho anao sy gne zanakao lahy miaraky aminao akô anjara mandrakizay gne, araky gne nandidin'i Yaveh."16Avy eo Mosesy nagnontany momban'gne osy nanÿ fagnatitry nohon'gne ota, ary nahita fa may izany. Koa vignitry tamin'i Eleazara sy Itamara, zanakalahin'i Arona sisa tavela izy; hoy izy hoe: 17"Nahoa enareo gne tsy nihina gne fagnatitry nohon'gne ota teoamin'ny faritry gne tabernakely, fa izany gne masina indrindra ary efa nomen'i Yaveh anareo mba hangala gne heloky gne fivondrona izany, mba ho fagnavota ho andreo eo agnatrehany? 18Indro, gne ràny da nindesy tao agnatin'gne tabernakely, koa tokony nihina izany tao ame faritry gne tabernakely enareo, araky gne nandidiko."1919Avy eo Arona namaly an'i Mosesy hoe: "Indro, amizao indreo gne nagnano gne fagnatitr'ndreo nohon'gne ota indreo sy gne fagnatitry doroa teo agnatrehan'i Yaveh, ary izany raha izany da niboaky taminaha androany. Raha nihina gne fagnatitry nohon'gne ota iaho androany, moa ve nahafaly teo imason'i Yaveh izany?" 20Refa ren'i Mosesy izany, da afa-po izy.
1Niresaky tamin'i Mosesy sy Arona i Yaveh, nagnano hoe: 2"Mizaka ame vahoakan'Israely, magnano hoe: 'Itoa aby gne raha manan'gnay izay afaky ho haninareo eo amin'gne biby agnaby izay eto ambonin'gne tany.3Afaky mihina gne biby agnaby izay mivaky kitro sy mamerign'ota enareo. 4Ndre izany aza, na mamerign'ota na mivaky kitro aza gne biby sasany, da aoka enareo tsy hihina anio, da gne biby akô gne rameva, satria mamerign'ota izy fa tsy mivaky kitro. Noho izany da maloto ho anareo gne rameva.5Gne hyraka evao koa, satria mamerign'ota izy fa tsy mivaky kitro, maloto ho anareo evao koa izany. 6Gne bitro, da maloto ho anareo, satria mamerign'ota izy, fa tsy mivaky kitro. 7Gne kisoa, ndre da mivaky kitro aza, da tsy mamerign'ota izy, ka maloto ho anareo. 8Aoka enareo tsy hihina ame henany, na hikasiky gne fatin'inio. Maloto ho anareo ireo.9Gne biby agnaby miay agnaty rano izay afaky ho haninareo da gne izay mana sisikiny sy kirany, na ao ame ranomasy na agny ame renirano. 10Fa gne raha man'gnay agnaby izay tsy azonareo ho hany da ireo izay tsy misy sisikiny sy kirany ao agnaty ranomasy na renirano, ao agnatin'izany gne izay mihetsiky ao agnaty rano sy gne zava-manan'gnay agnaby izay ao agnaty rano—aoka ho halanareo iregny.11Satria iregny da tokony ho hankahalay, aoka enareo tsy hihina gne henan'iregny; ary gne fatin'izy iregny evao koa da tokony ho hankahalay. 12Izay raha tsy misy sisikiny sy kirany ao agnaty rano da aoka ho halanareo.13Itoa aby gne voro izay tsy maintsy hankahalainareo sy tsy tokony ho haninareo: da gne voromahery, gne voltora, 14gne papango, gne karazane ankoay agnay, 15gne karazane goaika agnaby, 16gne vorondolo sy gne vorondolo magneno, gne voron-drano, ary gne karazane ankoay agnaby.17Aoka enareo halagny gne vorondolo kely sy gne vorondolo lehibe, gne manarana evao koa, 18gne vorondolo fotsy sy nge vorondolo sompitra, gne ibisa, 19gne vano, gne karazane vano be agnaby, gne takidara, ary gne ramanavy evao koa.20Gne bibikely managn'elatry agnaby izay mandeha ame tongotry efatry da fahavetaveta ho anareo.21Afaky mihina gne bibikely magnembo agnaby izay mandeha ame tongotry efatry enareo raha manan-tongotry ambonin'gne faladiany hitsambikinany eo ame tany evao indreo.22Afaky mihina gne karazane valalabe, solama, gne valala kely, na gne ampanga agnaby evao koa enareo. 23Fa gne bibikely magnembo agnaby izay mana tongotry efatry da tsy maintsy hankahalainareo.24Raha mikasika gne fatin'gne raiky amin'io enareo da haloton'io biby io mandra-paharivan'gne andro. 25Ndre ia ndre ia mitsimpo gne raiky amin'gne fatin'io da tsy maintsy manasa gne fitafian'izy ary mijano maloto mandra-paharivan'gne andro.26Gne biby agnaby izay mivaky kitro tsy mizara tanteraky na tsy mamerign'ota da maloto ho anareo. Izay rehetra mikasika anazy io da haloto. 27Izay rehetra mandeha ame tongony amin'io biby agnaby izay mandeha ame tongotry efatry, da maloto ho anareo. Ndre ia ndre ia mikasiky gne fatiny da haloto mandra-paharivan'gne andro.28Ndre ia ndre ia mitsimpo gne fatiny da tsy maintsy manasa gne fitafian'indreo ary maloto mandra-paharivan'gne andro. Io biby io da haloto ho anareo.29Raha gne amin'gne biby izay mandady amin'gne tany, da itoa aby gne biby izay haloto ho anareo: gne kionkiona, gne voalavo, gne karazane androngo zakabe agnaby, 30gne katsatsaky, gne anakà, gne androngo, gne androngom-pasiky, ary gne sakorota.31Amin'gne biby mandady agnaby, da io gne biby izay haloto ho anareo. Ndre ia ndre ia mikasiky adreo refa maty io da haloto mandra-paharivan'gne andro. 32Raha maty gne sasany amin'io ka milatsaky ame raha, da haloto io raha io, na vita tamin'gne hazo, na lamba, na hoditry, na lamba fisaogna izany. Ndre ino ndre ino izany ndre ino ndre ino ampiasa azy, da tsy maintsy atao agnaty rano; haloto izany mandra-paharivan'gne andro. Ary hadio avy eo.33Gne vilagny tanimanga agnaby izay hilatsahan'gne biby maloto ao agnatiny na eo aminy, ndre ino ndre ino ao agnatin'gne vilany da haloto, ary tsy maintsy rotehinareo izany vilany izany.34Gne hany izay madio sy azo ho hanina, kanefa nilatsahan'gne rano avy tao amin'gne vilagny maloto raiky, da haloto. Izay raha mety ho nosotroy tamin'gne vilagny akô izany da haloto. 35Izay raha nilatsahan'gne asasany tame fatin'gne biby maloto da haloto, na lafaoro izany na vilagny fandrahoana. Tsy maintsy rotehy izany. Maloto izany ka tokony haloto ho anareo.36Gne loharano famorian-drano izay handagnona gne rano sotroy da hadio evao raha misy biby toy izany milatsaky ao agnatiny. Fa raha misy olo mikasiky gne fatin'gne biby maloto raiky ao ame rano, da haloto izy. 37Raha misy asasany ame fatin'gne biby maloto milatsaky eo ambonin'gne voany ho ambole, da hadio evao io voaireo. 38Fa raha tondraha rano gne voany, ary raha misy asasany amin'gne faty maloto milatsaky eo amin'gne, da haloto ho anareo io.39Raha misy biby izay azonareo ho hany maty, da haloto mandra-paharivan'gne andro gne nikasiky gne fatiny. 40Ndre ia ndre ia mihina amin'io faty io da tsy maintsy manasa gne fitafiany ary haloto mandra-paharivan'gne andro.Izay rehetra mitsimpo gne faty tahaka izany da hanasa gne fitafiany ary haloto mandra-paharivan'gne andro.41Gne biby agnaby izay mandady ame tany da ho alany; ôka tsy hohany izany. 42Izay rehetra mandady ame trokiny, ary izay rehetra mandeha ame tongotry efatry, na izay rehetra mana tongotry maro—gne biby agnaby izay mikisaky amin'gne tany, io gne tsy azonareo ho hany, satria fahavetaveta io.43Aoka enareo tsy handoto gne tegnanareo amin'gne zava-managn'ay mandady agnaby; aoka tsy handoto gne tegnanareo amin'io enareo, fa haloto amin'io enareo. 44Fa Izaho gne Yaveh Andriamanitrareo. Tokony ho tazominareo ho masina gne tegnanareo, noho izany, masïna, satria masina Aho. Aoka tsy handoto gne tegnanareo ame karazane biby agnaby izay mandady ame tany enareo. 45Fa Izaho gne Yaveh izay ninday anareo niala avy tao ame tany Egypta, mba ho Andriamanitrareo. Noho izany aoka enareo ho masina, satria Izaho da masina.46Izany no lalàna momba gne biby, gne voro, gne zava-managn'ay agnaby izay mihetsiky ao agnaty rano, ary gne biby agnaby izay mikisaky ame tany, 47satria tokony hisy fanavaha eo ame maloto sy gne madio, ary eo amin'gne raha-managn'ay izay azo ho hanina sy gne zava-manan'ay izay tsy azo hohanina
1Hoy Yaveh tamin'i Mosesy hoe: 2"Miresaha ame vahoakan'Israely, magnano hoe: 'Raha misy vehivavy magnan'anaka ka miteraky zaza lahy, da haloto agnatiny gne fito andro izy, akô gne fahalotoany mandritr'gne andro fadimbolany. 3Ame andro faha-valo da tokony foray gne nofon'gne lohatsitsin'gne zazalahy.4Avy eo gne fagnadiova reny avy ame ràny da hitohy mandritry gne telo amby telo-polo andro. Tsy tokony hikasiky raha masina izy na hiditra ao ame faritry gne tabernakely mandra-pahatapitry gne andro fandiova anazy.5 Fa raha teraka zaza vavy izy, da haloto mandritry gne roa herinandro, akô gne agnatine fadimbolany. Da hitohy mandritry gne gne enina amby enim-polo andro gne fagnadiova gne reny.6Refa tapitry gne andro fandiova azy, na ho an'gne zanakalahy na zanaka vavy, da tsy maintsy mitondra ondry niherintao raiky ho fagnatitry doroa izy, ary zana-boromamanga na voromamanga raiky ho fagnatitry nohon'gne ota, ho eo ame fidira ao ame lay fihaogna, ho eo ame mpisorona.7Avy eo izy da hanolotry izany eo anatrehan'i Yaveh ary hagnano fagnavota ho anazy, da hovoadio ame fandehanan'gne ràny izy. Izany gne lalàna ame viavy izay miteraka na zazalahy na zazavavy. 8Raha tsy afaky manolotry ondry izy, da tsy maintsy maka voromamanga roy na zana-boromamanga roy, gne raiky ho fagnatitry doroa ary gne raiky hafa ho fagnatitry nohon'gne ota, ary hagnano fagnavota ho anazy gne mpisorona; da hadio izy avy eo.'"
1Niresaky tamin'i Mosesy sy Arona i Yaveh, nagnano hoe: 2"Refmanako- mamontso na manako-pery na mifaritry mangira ame hoditry gne vatany, ka lasa manonitry izany ary misy aretin-koditry gne vatany, da tsy maintsy indesy agny amin'i Arona mpisoronabe izy, na ame raiky ame zanany lahy mpisorona.3Avy eo gne mpisorona da hagnety gne arety eo ame hoditrin'gne vatany. Raha nivadiky fotsy gne volo eo ame faritr'gne arety, ary raha hita fa laly kokoa noho gne eo ame hoditry fotsiny gne arety, da lasa areti-mifindra izany. Ary tafaran'gne nagnitean'gne mpisorona anazy, da tsy maintsy magnambara anazy ho maloto izy.4Raha fotsifotsy gne mifaritry mangilatry ame hoditriny, ary gne endrik'izany da tsy laly mihoatry noho gne ame hoditry, ary raha tsy mivadiky fotsy gne volo ame faritry gne arety, da tsy maintsy atokan'gne mpisorona toitry agnatin'gne hafitoa gne raiky misy arety.5Ame gn'andro fahafito, da tsy maintsy magnety anazy gne mpisorona mba hagnaety raha tsy miha-ratsy gn'arety raha e hevitriny, ary raha tsy miparitaky ame gn'oditry izany. Raha tsy misy izany, da tsy maintsy mampitoka-monina anazy mandritry e hafitoana na mihoatry gne mpisorona.6 Hagnety anazy indraiky gne mpisorona ame gn'andro fahafito mba hagnety raha miha-tsara gn'arety ary tsy miparitaka magnera gn'oditry. Raha tsy misy izany, da hizaka anazy ho madio gne mpisorona. Manako-pery izany. Tsy maintsy manasa e raisikiny izy, ary da hadio izy.7Fa raha miparitaky ame hoditry indray izany fery izany tafaran'gne nagnambarany gne tenagny tame mpisorona gne ame fahadiovany. 8Da tsy maintsy haboaky gne tenagny eo amin'gne mpisorona indraiky izy avy eo. Hagnety anazy gne mpisorona mba hagnety raha niparitaky ame hoditra agnaby gne fery. Raha niparitaky izany, da tsy maintsy magnambara azy ho maloto gne mpisorona. Areti-mifindra izany.9Raha misy areti-koditry mifindra ame olo, da tsy maintsy entina agny ame mpisorona izy.10Hagnety anazy gne mpisorona mba hitea raha misy mamontso fotsy ame hoditry, raha mivadiky fotsy gne volo, na raha misy nofotry mentso ame mamontso. 11Raha misy, da areti-koditry mitaiza izany, ary tsy maintsy magnambara azy ho maloto gne mpisorona. Tsy hanoka toitry azy izy, satria efa maloto.12Raha miparitaky be ame hoditry gne arety ary mandrakotry gne hoditr'igny olo agnaby gne arety hatragny ame tampon-dohany ka hatragny ame tongony, raha vaohitan'gne mpisorona izany, 13da tsy maintsy hagnety anazy gne mpisorona mba hagnety raha mandrakotry gne vatany agnaby gne arety. Raha misy izany, da tsy maintsy magnambara an'gne olo misy arety ho madio gne mpisorona. Raha nivadiky fotsy avokoa izany, da madio izy. 14Fa raha misy nofotry mentso miboaky eo aminazy, da haloto izy.15Tsy maintsy magnety an'gne nofotry mentso gne mpisorona ary magnambara azy homaloto satria maloto gne nofotry mentso. Areti-mifindra izany. 16Fa raha mivadiky fotsy indray gne nofotry mentso, da tsy maintsy mandeha agny ame mpisorona gne olo. 17Hagnety anazy gne mpisorona mba hagnitea raha nivadiky fotsy gne nofo. Raha nivadiky izany da hagnambara gne olo ho madio gne mpisorona18Raha misy vay eo ame hoditry gne olo raiky ka sitragny izany, 19ary raha misy mamontsy fotsy na holatry nge fery, mena fotsy eo ame toeran'gne vay, da tsy maintsy aseho an'gne mpisorona izany. 20Hagnety izany gne mpisorona mba hagnety raha miha-matevy ambanin'gne hoditry izany, ary raha nivadiky fotsy gne volo eo. Raha izany, da tsy miantsy magnambara azy ho maloto gne mpisorona. Areti-mifindra izany, raha mitombo eo ame toera izay nisy gne vay izany.21Fa raha mizaha izany gne mpisorona ka mahita fa tsy misy volo fotsy eo am'izany, ary tsy ao ambanin'gne hoditry izany fa efa niala, da tsy maintsy hatokan'gne mpisorona monina agnatiny gne hafitoa izy. 22Raha miparitaky be ame hoditry izany, da tsy maintsy magnambara azy ho maloto gne mpisorona. Areti-mifindra izany. 23Fa raha mijano ame toitriny gne holatry gne fery fa tsy niparitaky, da holatr'gne vay izany, ka tsy maintsy hagnambara azy ho madio gne mpisorona.24Refa misy may gne hoditry ary lasa somary mena-fotsy na faritra fotsy gne nofotry mangana may, 25da hagnety izany gne mpisorona mba hagnety raha nivadiky fotsy gne volo am'izany faritra izany, ary raha hita fa laly mihoatry gne teo ame hoditry izany. Raha misy izany, da areti-mifindra. Lasa haboka teo amin'gne may izany, ary tsy maintsy magnambara azy ho maloto gne mpisorona. Areti-mifindra izany.26Fa raha mizaha izany gne mpisorona ka mahita fa tsy misy volo fotsy ame faritry, ary tsy ao ambanin'gne hoditry izany fa matroky, da tsy maintsy hatokan'gne mpisorona monina agnatiny gne hafitoa izy.27Avy eo da tsy maintsy mizaha anazy gne mpisorona ame andro fahafito. Raha niparitaky be tame hoditra izany, da tsy maintsy magnambara azy ho maloto gne mpisorona, Areti-mifindra izany. 28Raha mijano eo ame toitriny faritry ary tsy miparitaky ame hoditry fa matroky, da famontsina avy ame may izany, ary mpisorona da tsy maintsy hagnambara azy ho madio, fa raha tsy misy dikany izany mihoatry noho gne holatry gne may.29Raha misy lelahy na viavy misy areti-mifindra eo ame loha na somotry, 30da tsy maintsy magnety gn'olo ame gn'areti-mifindra gne mpisorona mba hagnety raha misy laly kokoa noho ny eo ame hoditra izany, ary raha misy mavomavo, volo manify ao amin'izany. Raha misy, da tsy maintsy magnambara anazy ho maloto gne mpisorona. Hihidy izany, areti-mifindra eo ame gn'olo na ame somotry izany.31Raha magnety gne aretin'gne hidihidy gne mpisorona ka mahita fa tsy eo ambanin'gne hoditry izany, ary raha tsy misy volo mainty am'izany, da hampitoka-monina an'gne olo misy aretin'gne hidihidy gne mpisorona mandritry gne hafitoa.32Ame gn'andro fahafito da hagnety gne arety mpisorona mba hagnety raha niparitaky izany. Raha tsy misy volo mavomavo, ary raha akô gne hatevin'gne hoditry fotsiny gne fahita gne arety, 33da tsy maintsy ho solay izy, fa gne faritry misy gne arety da tsy tokony ho solay, ary gne mpisorona da tsy maintsy hampitoka-monina an'gne olo ame aretin'gne hidihidy agnatiny hafitoa.34Ame gn'andro fahafito da hagnety gne arety gne mpisorona mba hagnety raha nijano niparitaky tame hoditry izany. Raha hita ho tsy matevy noho gne hoditry izany, da tsy maintsy hagnambara azy ho madio gne mpisorona. Tsymaintsy manasa gne sikiny gne olo, da hadio izy avy eo.35Fa raha miparitaky ame hoditry gne aretin'gne hidihidy tafaran'gne nizakan'gne mpisorona fa madio izy, 36da tsy maintsy magnety azy indray gne mpisorona. Raha miparitaky ame hoditra gne aretina, da tsy mila mitady volo mavomavo ko gne mpisorona. Maloto gne olo. 37Fa raha ame fagnetin'gne mpisorona da efa nijano niparitaky gne aretin'gne hidihidy ary nisy volo mainty nitsiry teo ame faritry, avy eo da afaky gne arety. Madio izy, ary tsy maintsy magnambara anazy ho madio gne mpisorona.38Raha misy lehilahy na viavy misy faritry fotsy ame hoditry, 39da tsy maintsy magnety gne olo gne mpisorona mba hagnety raha matroky gne faritry, izay fery vaky teo ame hoditry fotsiny evao. Da madio izy.40Raha mihintsa ame lohany gne volon'gne olo raiky, da sola izy, fa madio.41Raha milatsaky avy eo ame tampon-dohany gne volony, ary sola gne tampon-kandriny, da madio izy.42Fa raha misy ratra mena-fotsy eo ame lohany sola na tampon-kandriny, da areti-mamindra izay vaky aty ivelany izany.43Avy eo da tsy maintsy magnety azy gne mpisorona mba hagnety raha mena-fotsy gne faritry mivonton'gne arety eo ame lohany sola na gne tampon-kandriny, akô gne endriky gne areti-mifindra ame hoditry. 44Raha izany, da misy areti-mifindra izy ary maloto. Tsy maintsy ambaran'gne mpisorona ho maloto tokoa izy nohon'gne aretiny eo ame lohany.45Gne olo izay misy areti-mifindra da tsy maintsy magnano akanjo rovitry, tsy maintsy arakaraky gne volony, ary tsy maintsy mandrakotry gne tarehiny miakatry avy eo ame orony izy ary mangaingaiky hoe: 'Maloto, maloto.' 46Ame gn'andro agnaby izay hisian'gne areti-mifindra aminazy da haloto izy. Satria maloton'gne arety izay mety mifindra izy, da tsy maintsy mipetra-draiky.47Gne siky izay nifindran'gne haboka, na volon'ondry izany na lamban-drongony fotsy madiniky, 48na raha vita tame tenona na nozairy tame volon'ondry na rongony fotsy madiniky na hoditry na raha vita tame hoditry— 49raha misy fifindra magnametsoa na mena fotsy ame akanjo, gne hoditry, gne tenona, na fitaova fanjaira, na raha vita tame hoditry, da haboka miparitaky izany; tsy maintsy aboaky ame mpisorona izany.50Tsy maintsy magnety gne aretin'gne haboka gne mpisorona; tsy maintsy hatokany agnatine hafitoa gne raha agnaby izay misy haboka. 51Tsy maintsy magnety gne haboka indraiky izy ame andro fahafito. Raha niparitaky tame siky na raha vita tame tenona, nozairy tame volon'ondry na fitaova rongony fotsy madiniky, na hoditry na raha izay nampiasa hoditry, da haboka mahafaty izany, ary maloto izany. 52Tsy maintsy mandoro gne siky, na raha vita tame tenona, nozairy tame volon'ondry nafitaova rongony fotsy, na hoditry na raha agnaby vita tame rongony fotsy, raha agnaby izay hita tame haboka mahafaty, fa mety hitondra arety izany. Tsy maintsy doroa aby gne mombamomban'izany.53Raha magnety gne singa gne mpisorona ary mahita fa tsy niparitaky tame siky na gne fitaova fanaova tenona na nozairy tame volon'ondry na rongony, fitaova hoditry gne maty fotsy, da hibeko andreo mba hanasa e rahà izay nahita gne maty fotsy, 54ary tsy maintsy hatoka-monina mandritry gne hafitoa izany. 55Avy eo da hagnety gne toka gne mpisorona rehefa vosasa gne rahà misy maty fotsy. Ndre da ty niova e lokon'e maty fotsy, ary tsy nipetraky aza iany, da maloto avao izany. Tsy maintsy oroa gne toka, ndre taia ndre taia gne nifindran'e maty fotsy.56Raha magnety gny toka e mpisorona, ary raha tsy mazava gne maty fotsy rehefa vosasa, da tsy maintsy mandriatry gne faritry maloto eo ame gn'akanjo na eo ame rongony fotsy, na eo ame tenona na fiataova fanjera izy.57 Raha mbola miboky ame siky evao gne maty fotsy, na ame tenona na ame fitaova fanjaira, na ame raha agnaby nanÿ tame rongony fotsy, da miparitaky izany. Tsy maintsy mandoro gne singa agnaby izay nisy gne haboka enareo. 58Gne lamba na raha vita tame tenona na nozairy tame volon'ondry na fitaova rongony fotsy, na hoditry na raha vita tame hoditry—raha manasa gne singa enareo ka miala gne haboka, da tsy miantsy sasa fagnindroiny gne haboka, da hadio izany.59Izany gne lalàna momba gne haboka ame akanjo volon'ondry na rongony fotsy madiniky, na raha tenona na nozairy tame volon'ondry na fitaova rongony fotsy madiniky, mba hahafahanareo magnambara hoe madio izany na maloto."
1Yaveh nizaka tamin'i Mosesy, nagnano hoe: 2"Izao no holalàna ho an'gne boka ame andro fagnadiova anazy.3Hajotso gne toby gne mpisorona ka hagnety olo mba hahafantara raha afaky gne aretin-koditry. 4Avyeo da hibaiko gne mpisorona fa izay voadio da tsy maintsy mitondra voro velo roy sady madio, hazo sedera, taretry jaky, ary hysopa. 5Hibeko azy mba hamono gne raiky amin'gne voro eo ame rano nalay tame rano mandeha izay ao agnaty tavy tanimanga gne mpisorona.6Hangala gne voro velo sy gne hazo sedera, ary gne kofehy jaky sy gne hysopa avy eo gne mpisorona, ary hagnatreboky io raha agnaby io, miaraky ame voro velo, ao ame ràn'gne voro izay novony tao amin'gne rano nalay tame rano mandeha. 7Avy eo da hafafin'gne mpisorona im-pito amin'gne olo hodiovy ame arety izany rano izany, ary avy eo hagnambara azy ho madio gne mpisorona. Avy eo da hagnafaky gne voro velo ho agny ame saha malalaky mpisorona.8Gne olo voadio da hanasa gne sikiny, hibory gne volony agnaby, ary hampandro gne tegnany ao agnaty rano, ary da hadio izy. Afaran'izay da tsy maintsy hitsoky ao ame toby izy, kanefa hijano eo ivelan'gne lainy agnatiny gne hafitoa. 9Ame gn'andro fahafito da tsy maintsy mibory gne volon-dohany agnaby izy, ary mangala volom-bavany sy gne volo-masony evao koa. Tsy maintsy mangala gne volony agnaby izy, ary tsy maintsy manasa gne fitafiany sy mampandro gne tegnany ao agnaty rano; ary da hadio izy.10Ame andro fahavalo da tsy maintsy hangala zanak'ondry lahy tsy misy kilema roy izy, zanak'ondry vavy raky herin-tao tsy misy kilema, sy koba tsara disa telo ampaha-folon'gne efaha voaharo ame menaky ho fagnatitry hohany, ary menaky raiky loga. 11Gne mpisorona izay magnadio anazy da hampitsangana gne olo hodiovy, miaraky amin'io raha io, eo anatrehan'i Yaveh eo ame fidira mankao ame tragno lay fihaona.12Hangala gne amin'gne zanak'ondry lahy ka hanolotry izany ho fagnatitry nohon'gne heloky, miaraky amin'gne loga-menaky gne mpisorona; hanevaheva io ho fagnatitry ahevaheva eo agnatrehan'i Yaveh izy. 13Tsy maintsy hamono gne ondry lahy eo ame toera izay famonoandreo fagnatitry nohon'gne ota sy fagnatitry doroa izy, ao ame faritry gne tabernakely, fa an'gne mpisorona gne fagnatitry nohon'gne ota, akô izany koa gne fagnatitry nohon'gne heloky, satria izany gne masina indrindra.14Hangala ame ràn'gne fagnatitry nohon'gne heloky ka hametraky izany eo an-tendron-tsofy havanan'gne olo izay hodiovy gne, eo tondribe-tagnany havana, ary ame tondroben-tongony havana gne mpisorona. 15Ary hangala menaky avy amin'gne loga gne mpisorona ka handraraky izany eo ame fela-tagnany havia, 16ary hagnatrebôky gne ratsan-tagnany havana ao anatin'gne menaky eo ame tagnany havia, ary hamafy im-pito gne ame menaky ame rantsan-tagnany eo agnatrehan'i Yaveh.17Ary hagnosotry gne ambin'gne menaky teo ame tagnany eo ame tendron-tsofy havanan'gne olo hodiovy, gne tondroben-tagnany an-kavana, ary gne tondroben-tongony an-kavana gne mpisorona. Tsy maintsy mametraky izany menaky izany eo ambonin'gne rà avy tame fagnatitry nohon'gne heloky izy. 18Ary gne amin'igne ambiny menaky izay eo an-tanan'gne mpisorona, da hagnosotry izany eo ame lohan'gne olo hodiovy izy, ary gne mpisorona da hagna no fagnavota ho anazy eo agnatrehan'i Yaveh.19Avy eo da hanolotry gne fanatitra nohon'gne ota sy hagnano fagnavota ho anazy izay hodiovy nohon'gne fahalotoany gne mpisorona, ary afaran'izany da hamono gne fagnatitry doroa izy.20Ary avy eo da hanolotry gne fagnatitry doroa sy fagnatitry hohany eo ambony alitara gne mpisorona. Hagnano fanavota ho an'gne olo gne mpisorona, ary da hadio izy.21Kanefa, raha mahantra sy tsy mahatakatry io sorona io gne olo, da tokony hangala zanak'ondry lahy raiky ho fagnatitry nohon'gne heloky mba haevaheva izy, mba hanaova fanavota hoan'gne tegnany, sy koba tsara disa raiky am-pahafolon'gne efaha voaharo ho fagnatitry hohany, ary menaky raiky loga, 22miaraky ame domoy roy na zana-boromamanga roa, araka izay tratrany; vorona raiky ho fagnatitry nohon'gne ota ary gne hafa ho fagnatitry dorana. 23Ame andro fahavalo da tsy maintsy mitondra ireo ho an'gne fagnadiova azy eo ame mpisorona izy, eo ame fidira mankao ame trano lay fihaona, eo agnatrehan'i Yaveh.24Hangala zanak'ondry ho fagnatitry gne mpisorona, ary halainy miaraky am'izany gne menak'oliva raiky loga, ary hanandratry izany ambony ho fagnaboaha andreo amin'i Yaveh izy. 25Hamono gne zanak'ondry hoan'gne fagnatitry nohon'gne heloky izy, ary hangala ame ràn'gne fagnatitry nohon'gne heloky kahagnisy izany eo ame tendron-tsofy havanan'gne hodiovy, eo ame tondroben-tagnany an-kavana, ary eo ame tondroben-tongony an-kavana.26Avy eo da handraraky ame menaky eo am-pelatagnany an-kaviagne mpisorona, 27ary hamafy im-pito ame rantsan-tagnany an-kavana amin'gne menaky izay eo ame tagnany an-kavia eo anatrehan'i Yaveh izy.28Da hagnisy amin'gne menaky izay eo ame tagnany ny tendron-tsofy an-kavanan'gne hodiovy gne mpisorona, tondroben-tagnany havana, sy gnetondriben-tongony havana, eo amin'gne faritry nasiany gne ràn'gne fagnatitry nohon'gne heloka evao. 29Hasiany gne ambin'gne menaky izay eo ame tagnan gne lohan'gne hodiovy, mba hanaova fagnavota ho anazy eo agnatrehan'i Yaveh.30Tsy maintsy manolotry iray amin'gne domoy na gne zana-boromamanga, araky izay takatrany izy— 31gne ho an'gne fagnatitry nohon'gne ota ary raiky hafa ho fagnatitry doroa, miaraky ame fagnatitra voany. Avy eo da hagnano fagnavota ho an'gne ho diovina eo agnatrehan'i Yaveh gne mpisorona. 32Izany gne lalàna ho an'gne olo izay misy aretin-koditra mifindra, izay tsy mahatakatry gne fagnatitry mahazatry ho an'gne fanadiova azy."33Nizaka tamin'i Mosesy sy tamin'i Arona i Yaveh, nagnano hoe: 34"Raha avy ame tany Kanana izay nomeko ho fanagnanareo ianareo, ary raha magnisy maty fotsy izay miparitaky ao ame tragno ao ame tany izay fanagnanareo Aho, 35da tsy maintsy tonga ary mampilaz gne mpisorona imaty tompon'gne tragno. Aoka izy hagnano hoe: "Toa misy raha akô gne maty fotsy aoan-tranoko.'36Avy eo da handidy andreo gne mpisorona mba hagnafoagnan'gne ao amin'gne tragno mialohan'gne hidirany ao hagniteany gne fisiany maty fotsy, mba tsy hisy ndre ino ndre ino ho voaloto ao amin'gne trano. Afaran'izay da tsy maintsy hiditra ao mba hagnety gne tragno gne mpisorona.37Tsy maintsy magnety gne maty fotsy izy raha ame rindrin'gne tragno izany, ary hagnety raha miha-metso na miha-mena gne filentikiny eo ame rindrin'gne trano. 38Raha misy maty fotsy gne trano, da hivoaky gne mpisorona kahagnidy gne varangaran'gne tragno mandritry gne hafitoa.39Ary hipody indraiky gne mpisorona ame andro fahafito ka hizaha izany mba hamantatry raha niparitaky ame rindrin'gne tragno gne maty fotsy. 40Raha izany, da hibeko gne ame hangalandreo gne vato izay nahita gne maty fotsy gne mpisorona ka hanipy ireo agny ame toera maloto ivelan'gne tanà.41Hampi-kikisa gne rindry tragno agnaby, ary tsy maintsy hariandreo agny ivelan'gne tanà gne kikitriny izay mamindra ary hariany agny ame toera maloto izany. 42Tsy maintsy mangala vato hafa indreo ary mametraky ireo ame toeran'gne vato izay nalàny, ary tsy maintsy mampiasa tanimanga vaovao indreo mba handalora gne trano.43Raha mipody indraiky gne maty fotsy ka mamariparitry ao ame tragno izay vao avy nisy vato nalà sy rindry vao avy nokikisa ary avy navery nolalory, 44da tsy maintsy miditra ao mpisorona ka magnety gne tragno mba hagnety raha niparitaky ao ame tragno gne maty fotsy. Raha izany, da maty fotsy mampidi-doza izany, ary gne tragno da maloto.45Tsy maintsy aroda gne trano. Gne vato, hazo, ary gne lalotry agnaby ao ame tragno da tsy maintsy indesy hariana agny ame toera maloto agny ivelan'gne tanà. 46Ankoatr'izay, ndre ia ndre ia mitsoky ao amin'gne tragno agnatiny gne fotoa hihidiany da haloto mandra-paharivany andro. 47Izay natory tao ame tragno da tsy maintsy manasa gne sikiny, ary izay nihina tao amin'gne tragno da tsy maintsy manasa gne sikiny.48Raha miditry ao amin'gne tragno gne mpisorona ka magnety izany mba hahafantara raha efa niparitaky tame tragno ilay maty fotsy taorian'gne nandalora gne tragno, ary, raha niala gne maty fotsy, da hagnambara izy fa madio gne trano.49Avy eo da hangala voro roy, sy hazo sedera, ary kofehy jaky sy hysopa mba hagnadiova gne tragno gne mpisorona.50Hovoniny eo ame rano nalay tame rano mandeha ao agnaty siny tanimanga raiky amin'gne voro. 51Hangala hazo sedera, gne hysopa, gne taretry jaky, ary gne voro velo izy, ka hagnatrebôky izany ao ame ràn'gne voro novonoy, ao agnaty rano nalay tame rano mandeha, ary hamafy izany im-pito ao amin'gne tragno.52Hahnadio gne tragno ame ràn'gne voro sy gne rano nalay tegny ame rano mandeha izy, miaraky amin'gne voro velo, hazo sedera, gne hysopa, ary gne taretryko jaky.53Kanefa hamela gne voro velo hivoaky gne tanà ho agny ame tanimboly zakabe izy. Amin'izany fomba izany gne tsy maintsy hamboara fagnavota hoan'gne tragno, ka da hadio izany.54Izany gne lalàna ho an'gne karazan'aretin-koditry mifindra agnaby sy gne raha izay miteraky arety akô izany, sy ho an'gne hidihidy, 55ame maty fotsy ame siky sy ame tragno, 56gne ame mamontso, gne ame manako-pery, ary gne ame mifaritry fotsy magira, 57mba ahafantara raha misy amin'io tranga io gne maloto na madio. Izany gne lalàna hoan'gne aretin-koditry mifindra sy gne maty fotsy."
1Niresaky tamin'i Mosesy sy Arona i Yaveh, nagnano hoe: 2"Miresaha ame vahoakan'Israely ary zakay amindreo hoe: 'Raha misy lehilahy mangala gne rano misy otrikarety avy ame vatany, da lasa maloto izy. 3Gne fahalotoany da vokatr'izany tsiranoka misy otrikarety izany. Na matsiky gne tsiranoky aminazy na tsy matsiky, da maloto izany.4Gne fandria agnaby handriany da haloto, ary gne raha agnaby izay hidobohany da haloto. 5Ndre ia ndre ia mikasiky gne fandriany da tsy maintsy manasa gne akanjony sy mandro ame rano, ary haloto mandra-paharivan'gne andro.6Izay rehetra mipetraky ame raha izay nipetrahan'gne lehilahy miboky tsiranoka misy otrikarety, izany olo izany da tokony manasa gne akanjony sy mandro ame rano, ary haloto mandra-paharivan'gne andro izy. 7Izay rehetra mikasiky gne vatan'gne mibôky tsiranoka misy otrikarety da tsy maintsy manasa gne sikiny sy mandro ame rano, ary haloto mandra-paharivan'gne andro.8Raha mandrora ame olo izay madio gne olo izay mibôky tsiranoky akô izany, da tsy maintsy manasa gne sikiny izany olo izany ary mandro ame rano, ary haloto mandra-paharivan'gne andro izy.9Gne lasely agnaby izay idobohan'gne mandranoky da haloto.10Ndre ia ndre ia mikasiky gne raha izay tao ambanin'izany olo izany da haloto mandra-paharivan'gne andro, ary izay rehetra mitondra io raha io da tsy maintsy manasa gne sikiny sy mandro ame rano; haloto mandra-paharivan'gne andro izy. 11Na ia na ia kitihan'gne miboaky tsiranoky akô izany kanefa tsy nanasa gne tagnany aloha, da tsy maintsy manasa gne sikiny sy mandro ame rano gne olo voakitiky, ary haloto mandra-paharivan'gne andro izy. 12Gne vilagny tany agnaby izay nokasin'gne mibôky tsiranoky akô izany da tsy maintame vakia, ary gne fitoeran-kazo agnaby da tsy maintsy kobany ame rano.13Refa sitrana ame fitsihany izy izay matsiky, da tsy maintsy magnisa fito andro ame fagnadiova azy izy; avy eo hanasa gne sikiny izy ary hampandro gne vatany ame rano mandeha. Da hadio izy. 14Ame andro fahavalo da tsy maintsy mangala voromamanga roy na zana-boromamanga roy izy ary magnato eo agnatrehan'i Yaveh eo ame fidira ao ame lay fihaogna; eo izy gne hanolotry gne voro ho an'gne mpisorona. 15Tsy maintsy manolotry io gne mpisorona, gne raiky ho fagnatitry nohon'gne fahota ary gne hafa ho fagnatitry doroa, ary tsy maintsy magnano fagnavota ho anazy eo agnatrehan'i Yaveh nohon'gne fitsihany izy.16Raha misy lehilahy mamoaka tsirin'aina, da tsy maintsy manasa gne vatany manontolo ame rano izy; haloto mandra-paharivan'gne andro izy. 17Gne siky sy hoditry agnaby izay misy tsirin'aina da tsy maintsy sasa haloto mandra-paharivan'gne andro izany. 18Raha miara-mandry gne lehilahy sy viavy ary misy fandefasana tsirin'aina ao amin-draviavy, da tsy maintsy mandro ame rano izy roy; haloto mandra-paharivan'gne andro indreo.19Raha fadimbolanany viavy raiky, da hitohy mandritry gne fito andro gne fahalotoany, ary ndre ia ndre ia mikasiky azy da haloto mandra-paharivan'gne andro. 20Gne raha agnaby izay handriany agnatiny gne fadimbolany da haloto; gne raha agnaby izay hidibohany da haloto evao koa.21Ndre ia ndre ia mikasiky gne fandriany da tsy maintsy manasa gne sikiny sy mandro ame rano; izany olo izany da haloto mandra-paharivan'gne andro. 22Ndre ia ndre ia mikasiky gne taha agnaby izay hidobohany da tsy maintsy manasa gne sikiny sy mandro ame rano; izany olo izany da haloto mandra-paharivan'gne andro.23Na ame fandria izany na ame raha izay hidobohany, raha mikasiky izany izy, da haloto mandra-paharivan'gne andro izany olo izany.24Raha miara-mandry aminazy gne lehilahy, ary raha mikasiky an-dralehilahy gne fitsihany maloto, da haloto agnatiny gne fito andro izy. Gne fandria agnaby izay handriany da haloto.25Raha misy viavy mamoaka rà mandritry gne andro maro izay tsy ame fotoanan'gne fadimbolany, na raha mitsika ivelan'gne fotoanan'gne fadimbolany izy, da hotoy gne hoe ame andron'gne fadimbolany izy, agnatiny gne andro agnaby hitsihan'gnefahalotoany. Maloto izy. 26Gne fandria agnaby handriany mandritry gne fitsihany rà da ho akô gne fandria izay handriany agnatiny gne fadimbolany evao aminazy, ary gne raha agnaby izay hidobohany da haloto, gne fahalotoan'gne fadimbolany. 27Ndre ia ndre ia mikasiky gne raha io da haloto; tsy maintsy manasa gne sikiny sy mandro ame rano izy, ary haloto mandra-paharivan'gne andro izy.28Fa raha voadio ame fitsihan'gne ràny izy, da hagnisa fito andro ho azy, ary afaran'izay da hadio izy. 29Ame andro fahavalo da hangala voromamanga roy nazana-boromamanga roy izy ary hinday ireo agny ame mpisorona eo ame fidira ao ame lay fihaogna. 30Gne mpisorona da hanolotry voro raiky ho fagnatitry nohon'gne ota ary gne raiky hafa ho fagnatitry doroa, ary hagnano fanavota ho anazy eo agnatrehan'i Yaveh izy nohon'gne fitsihany rà maloto.31Izany gne fomba tokony hagnasarahanao gne vahoakan'Israely ame fahalotoandreo, ka tsy ho faty nohon'gne fahalotoany indreo, ame fandotoa gne tabernakely, izay hidobohako eo amindreo.32Ireo gne didy amam-pitsipika ho an'gne rehetra izay mamoaky tsiranoka, ho an'gne lehilahy agnaby izay mamoaky gne tsirin'ainy sy mandoto gne tegnany, 33ho an'gne viavy izay fadimbolana, hoan'gne rehetra izay mamoaky tsiranoka, na lahy na vavy, ary ho an'gne lehilahy agnaby izay miara-mandry ame viavy maloto.'"
1Niresaky tamin'i Mosesy i Yaveh—izany da tafaran'gne nahafatesan'gne zanak'i Arona roy lahy, refa nandeha nanakeky an'i Yaveh indreo ary maty avy eo. 2Hoy Yaveh tamin'i Mosesy hoe: "Mikorana amin'i Arona rahalahinao ary zakay izy mba tsy ho tonga ame fotoa agnaby agny amin'gne fidoboha masina indrindra agnatin'gne efitra lamba, eo anoloan'gne sarom-pagnavota izay eo ame fiara. Raha magnano izany izy, da ho faty, satria mibôky ame mika eo amin'gne sarom-pagnavota Aho.3Koa izao gne fomba tokony ahatongavan'i Arona ao amin'gne toera masina indrindra. Aoka izy hitsoky miaraky ame vantotr'aomby lahy ho fagnatitry nohon'gne ota, ary ondry lahy ho fagnatitry doroa. 4Tsy maintsy magnano gne siky masina vita ame lamban-drongony fotsy izy, ary tsy maintsy magnano fehin-kibo rongony fotsy sy satroky rongony fotsy. Ireo gne fitafy masina. Tsy maintsy mampandro gne tegnany ame rano izy ary avy eo mitafy gne siky io. 5Tsy maintsy mangala osy lahy roy avy amin'gne fivondronan'gne vahoakan'Israely izy ho fagnatitry nohon'gne ota ary ondry lahy raiky hofagnatitry doroa.6Avy eo aoka Arona hanolotry gne vantotr'omby lahy ho fagnatitry nohon'gne ota, izay ho an'gne tegnany, mba hagnamboara fanavota ho an'gne tegnany sy gne fianakaviany. 7Avy eo da haka gne osy lahy roy izy ary hametraky ireo eo agnatrehan'i Yaveh eo ame fidira ao amin'gne lay fihaogna.8Avy eo Arona tsy maintsy miloka an'gne osy lahy roay, loka raiky hoan'i Yaveh, ary gne loka raiky hafa ho an'gne azazela. 9Tsy maintsy manolotry gne osy eo amin'gne nianjeran'gne loka ho an'i Yaveh i Arona avy eo, ary manolotry izany osy izany ho fagnatitry nohon'gne ota. 10Fa gne osy lahy izay niatotan'gne loka ho an'gne azazela da tsy maintsy indesy velo eo agnatrehan'i Yaveh, mba hanaova fagnavota ame fandefasa azy akô gne azazela mandeha agn'efitra.11Avy eo Arona da tsy maintsy nanolotry gne vantotr'aomby lahy hoan'gne fagnatitry nohon'gne ota, izay ho an'gne tegnany. Tsy maintsy magnano fanavota ho an'gne tegnany sy ho an'gne fianakaviany izy, ka tsy maintsy mamono gne vantontr'aomby lahy ho fagnatitry nohon'gne ota ho an'gne tegnany izy.12Tsy maintsy mangala fitondragn'afo feno bainak'afo avy eo ame alitara eo agnatrehan'i Yaveh i Arona, miaraky ame ditin-kazo magnitry madiniky eran'gne tagna, ary mitondra io raha io ao agnatin'gne efitry lamba. 13Ao izy gne tsy maintsy mametraky gne ditin-kazo ho ao agnaty afo eo agnatrehan'i Yaveh mba handrakotry gne sarom-panavota eo ambonin'gne didim-paneke gne mika avy ame ditin-kazo. Tsy maintsy magnano izany izy ka tsy ho faty.14Avy oe izy tsy maintsy mangala ame ràn'gne vantitr'aomby lahy ka handraraky izany ame tagnany eo anoloan'gne sarom-panavota. Tsy maintsy mandraraky gne rà ame tagnany im-pito eo agnatrehan'gne sarom-panavota izy.15Da hamono gne osy lahy ho fagnatitry nohon'gne ota izay hoan'gne vahoaka ary hitondra gne ràny ho ao agnatin'gne efitry lamba izy. Tsy maintsy magnano akô gne efa nanìny tamin'gne rà gne anìny ame ràn'gne vantitr'aomby lahy: tsy maintsy mandraraky izany eo ame sarom-panavota izy ary avy eo agnatrehan'gne sarom-panavota. 16Tsy maintsy magnano fanavota ho an'gne toera masina izy noho gne asa maloton'gne vahoakan'Israely, sy nohon'gne fikomiandreo sy gne fahotany agnaby. Tsy maintsy magnano izany ho an'gne lay fihaogna evao koa izy, izay hitoeran'i Yaveh eo amindreo, ame fagnatrehan'gne asa ratsindreo.17Tsy misy tokony ho ao amin'gne lay fihaogna refa miditry ao am'izany mba hagnano fagnavota ao amin'gne toera masina indrindra i Arona, ary mandra-pivoakany sy mandra-pahavitany gne fagnavota hoan'gne tegnany sy ho an'gne fianakaviany, ary ho an'gne fivondrognan'Israely agnaby. 18Tsy maintsy mivoaky eo ame alitara izay eo agnatrehan'i Yaveh indreo ary magnano fagnavota ho an'izany, ary tsy maintsy mangala ame ràn'gne vantitr'aomby lahy sy gne ame ràn'gne osy lahy izy ary mametraky izany magnodidy gne tandrokin'gne alitara agnaby . 19Tsy maintsy mandraraky gne asasany amin'gne rà eo am'izany ame tagnany im-pito izy mba handiova izany sy hanokana izany ho an'i Yaveh, lavitr'gne asa maloton'gne vahoakan'Israely.20Refa vitany gne fagnavota an'gne toera masina indrindra, gne lay fihaogna, sy gne alitara, da. tsy maintsy manolotry gne osy lahy velo izy. 21Tsy maintsy mametraky gne tagnany eo an-dohan'gne osy lahy velo izy ary milaza aminazy gne faharatsia agnabin'gne vahoakan'Israely, gne fikomiany agnaby, sy gne fahotany agnaby. Avy eo izy da tsy maintsy mametraky izany ota izany eo an-dohan'gne osy lahy velo ary mandefa gne osy lahy ho indesiny lehilahy izay vonogny hitariky gne osy ho agny agn'efitra. 22Tsy maintsy indesy gneos lahy mandeha agn'efitry gne faharatsian'gne vahoaky agnaby. Agny agn'efitry agny, da tsy maintsy hagnapetraky gne osy gne lehilahy.23Avy eo da tsy maintsy mihery agny ame lay fihaogna i Arona ary hangaka gne sikin-drongony fotsy izay nisikiny talohan'gne nandehana ho ao amin'gne toera masina indrindra, ary tsy maintsy magnapetraky gne sikiny io ao izy.24Tsy maintsy mampandro gne vatany ame rano agny ame toera masina izy, ary magnano siky tsotry; avy eo da tsy maintsy mivoaky izy ary manolotry gne fagnatitriny doroa sy gne fagnatitry doroa ho an'gne vahoaky, ary am'izany fomba izany da hagnano fagnavota ho an'gne tegnany sy ho an'gne vahoaky.25Tsy maintsy mandoro gne sabora amin'gne fagnatitry nohon'gne ota eo ame alitara izy. 26Izay nandefa gne azazela da tsy maintsy manasa gne sikiny sy mandro ame rano; afaran'izany, da hipody agny ame toby izy.27Gne vantotr'aomby lahy ho an'gne fagnatitry nohon'gne ota sy gne osy lahy ho an'gne fagnatitry nohon'gne ota, izay nindesy nagnambora fanavota tagny ame toera masina gne ràny, da tsy maintsy indesy ivelan'gne toby. Agny indreo gne tsy maintsy magnoro gne hoditriny, gne nofony, ary gne tain-drorohany. 28Gne lehilahy izay magnoro gne faritry io da tsy maintsy manasa gne sikiny sy mampandro gne tegnany ame rano; aorian'izany, da hipody agny ame toby izy.29Ho lalàna ho anareo ame volana faha-fito mandrakizay izany, ame andro faha folon'gne volana, da tsy maintsy magnetri-tegna enareo ary tsy miasa, na gne tompon- tany na gne vahiny izay miagny eo aminareo. 30Izany da satria am'izany andro izany gne fagnavota da ho anÿ ho anareo, mba hagnadiova anareo ame fahotanareo mba hadio eo agnatrehan'i Yaveh enareo. 31Ho Sabata fijanona magnetriketriky ho anareo izany, ary tsy maintsy magnetri-tegna sy tsy miasa enareo. Ho lalàna mandrakizay eo aminareo izany.32Gne mpisoronabe, izay ho hosora sy ho tondroy ho mpisoronabe eo ame toeran'gne rainy, da tsy maintsy magnano izany fagnavota izany sy magnano gne sikin-drongony fotsy, izany da, gne siky masina. 33Tsy maintsy magnano fagnavota ho an'gne toera masina indrindra izy; tsy maintsy magna fagnavota ho an'gne lay fihaogna sy ho an'gne alitara izy, ary tsy maintsy magnano fanavota ho an'gne mpisorona sy gne vahoaky agnaby ao ame fivondrogna izy.34Ho lalàna ho anareo mandrakizay izany, mba hanaova fagnavota ho an'gne vahoakan'Israely nohon'gne otany agnaby, indraiky isan-taona." Vita araky gne nandidian'i Mosesy izany.
1Niresaky tamin'i Mosesy i Yaveh, nagnano hoe: 2"Miresaha amin'i Arona sy gne zanany lahy, sy ame vahoakan'Israely agnaby. Zakay andreo izay nandidian'i Yaveh: 3'Gne lehilahy ao Israely izay mamono aomby, zanak'ondry, na osy eo ame toby na mamono izany ivelan'gne toby, mba hagnano soro izany— 4ka raha tsy minday izany eo ame fidira ame tragno lay fihaogna mba hagnatitry izany ho soro ho an'i Yaveh magnatrika gne tabernakeliny izy, da homeloky ame fandatsahan-drà izany lehilahy izany. Nandatsa-drà izy, ary halà eo ame vahoakany izany lehilahy izany.5Gne anton'izany didy izany da gne mba hitondran'gne vahoakan'Israely gne sorondreo amin'i Yaveh eo ame fidira ao ame tragno lay fihaona, mba hatolotry gne mpisorona ho fagnati-pifandresa amin'i Yaveh, fa tsy hagnatitry soro ao ame tonda malalaky. 6Hamafy gne rà eo ame alitaran'i Yaveh eo ame fidira ao ame tragno lay fihaogna gne mpisorona; handoro gne sabora ho an'izany izy mba hagnome hagnitry manim-pofo ho an'i Yaveh.7Aoka tsy hagnatitry gne sorondreo ame sampy osy esanaky gne vahoaky, fatamin'izany gne nagnisiandreo hatrerata. Ho lalàna mahadigny eo amindreo hatramin'gne taranaky fara-mandimbiny izany.'8Aoka enao hizaka amindreo hoe: 'Ndre ia ndre ia lehilahy eo amin'Israely, na vahiny izay monina eo amindreo, magnatitry fagnatitry doroa na soro 9ary tsy minday izany eo ame fidira ao ame tragno lay fihaogna mba hagnano soro izany ho an'i Yaveh, da aoka ho alà eo ame vahoakany izany lehilahy izany.10Raha misy olo ame tokatragnon'Israely, na misy vahiny izay mipetraky eo amindreo mihina rà, hanandrina gne tarehiko hanohitry izany olo izany Aho ary hagnombotry izany olo izany eo ame vahoakany Aho. 11Fa ao ame ràny gne ain'gne biby. Nomeko anao gne ràn'izany mba hampisy fagnavota eo ame alitara ho an'gne enareo, satria gne ràno mampisy fanavota, fa gne rà gne magnonitry aina.12Noho izany da nizaka tame vahoakan'Israely Aho mba tsy hisy hihina rà eo aminareo, na misy hihina rà izay vahiny mipetraky eo aminareo. 13Ndre ia ndre ia ame vahoakan'Israely, na izay vahiny monina eo amindreo, iza mihaza sy mamono biby na voro izay azo hany, da handraraky gne ràn'izany ary hanototry tany gne rà.14Fa gne ràny gne ain'gne zava-boary agnaby. Izany gne nizako tame vahoakan'Israely hoe: "Aoka enareo tsy hihina gne ràn'gne zava-boary, fa ràn'izany gne ain'gne zava-boaary miaigny agnaby. Ndre ia ndre ia izany da aoka ho roahy.''15Gne olo tsiraidraiky izay mihina biby efa maty na matin'gne bibidia, na tera-tany na vahiny gne olo mipetraky eo aminareo, da aoka izy hanasa gne sikiny ary hampandro gne tegnany ame rano, ary haloto izy mandra-paharivan'gne andro. Da hadio izy avy eo. 16Fa raha tsy manasa gne sikiny na mampandro vatany izy, da aoka izy hizaka gne helony.'"
1Niresaky tamin'i Mosesy i Yaveh, nagnano hoe: 2"Miresaha ame vahoakan'Israely ary zakay indreo hoe: 'Iahogne Yaveh Andriamanitrareo. 3Aza magnano gne raha izay ataon'gne vahoaky agny Egypta, izay nipetrahanareo teo aloha. Aza magnano izay raha ataon'gne vahoaka ao Kanana, gne tany izay hindesako anareo. Aza magnaraky gne fombandreo.4Gne lalàko gne aoka hanìnareo, ary gne didiko gne aoka hotandremanareo, mba handehananareo eo amindreo, satria Izaho gne Yaveh Andriamanitrareo. 5Noho izany da tandremo gne didy aman-dalàko. Raha misy olo mankatò, da hiay noho izy ireny izy. Iaho gne Yaveh.6Aoka tsy hisy olo hiara-mandry am'izay olo mifandray akaiky aminazy. Iaho gne Yaveh. 7Aza mangala baraka gne rainareo ame fatoria miaraky ame reninareo. Reninareo izy! Aza mangala baraka azy. 8Aza miara-mandry amin'gne vadin-drainareo; aoka enareo tsy hangala baraka gne rainareo tahaka izany.9Aza miara-mandry am'izay anabavinareo, na zanakavavin'gne rainareo izyna zanakavavin'gne reninareo, ndre da natsanga tao ame tragnonareo na lavitra anareo aza izy. Aza miara-mandry ame anabavinareo. 10Aza miara-mandry ame zanaka vavin'gne zanakareo lahy na ame zanakalahin'gne zanakareo vavy. Fa ho hegnatry ho anareo evao izany. 11Aza miara-mandry ame zanaky vavin'gne vadin-drainareo, izay nateraky gne rainareo. Anabavinareo izy, ary aoka enareo tsy hiara-mandry aminazy.12Aza miara-mandry ame anabavin-drainareo. Hava akaikin'gne rainareo izy. 13Aza miara-mandry ame rahavavin-dreninareo. Hava akaikin'gne reninareo izy. 14Aza mangala baraky gne rahalahin-drainareo ame fiaraha-mandry ame vadiny. Aza manakaiky azy am'izany tanjona izany; nenitoanareo izy.15Aza miara-mandry amin'gne vinanto vavinareo. Vadin-janakareo izy; aza miara-mandry aminazy. 16Aza miara-mandry ame vadin-drahalahinareo; aza mangala baraka anazy am'izany fomba izany.17Aza miara-mandry ame viavy raiky sy gne zanany, na ame zanaky vavin'gne zanany lahy na ame zanaka vavin'gne zanany vavy. Hava akaiky anazy indreo, ary faharatsia gne fiaraha-mandry amindreo. 18Aoka enareo tsy hanambady gne rahavavim-badinareo ho vady faharoy ary hiara-mandry aminazy raha mbola velo gne vadinareo voalohany.19Aza miara-mandry ame viavy agnatiny gne fadim-bolany. Maloto izy agnatin'izany foto izany.20Aza miara-mandry ame vadin'gne mpiray vody rindry aminareo ka handoto gne tegnanareo miaraky aminazy am'izany fomba izany.21Aoka enareo tsy hagnome gne zanakareo ho anÿ eo ame afo, fa magnano soro andreo ho an'i Moloka enareo am'izany, satria tsy mahazo mamono vato gne agnaran'Andriamanitrareo enareo. Iaho gne Yaveh.22Aza miara-mandry ame lehilahy hafa akô gne miaraky ame viavy. Ratsy izany. 23Aza miara-mandry ame biby sy mandoto gne tegnanareo miaraky am'izany. Aoka tsy hisy viavy hihevitry fiaraha-mandry ame biby. Fa havetaveta izany.24Aza mandoto gne tegnanareo amin'io fomba io, fa tamin'io fomba agnaby io gne nampahaloto gne firenena, gne firenena izay horoasiko eo agnatrehanareo.25Voaloto gne tany, ka nosaziako gne fahotandreo, ary nandoa ireo mponiny gne tany.26Noho izany, enareo, da aoka hitandrigny gne didiko sy gne fitsipiko, ary aoka enareo tsy hagnano ireo zava-mamoafady ireo, na gne tera-tany Israelita izany na gne vahiny izay mipetraky eo aminareo. 27Fa izany gne faharatsia efa nanìn'gne mponin'gne tany, ireo izay nipetraky teto talohanareo, ary voaloto gne tany ankehitriny. 28Noho izany da mitandrema mba tsy haloan'gne tany evao koa enareo afaran'gne nandotoanareo azy, akô gne nandoavany gne vahoaka izay teo alohanareo.29Ndre ia ndre ia magnano io zava-mamoafady io, ireo olo izay magnano raha akô izany da ho alà tsy ho eo ame vahoakandreo. 30Noho izany da tandremo gne didiko mba tsy hagnano gne fomba mamoafady izay nanÿ tetoa talohanareo io, ka tsy handotoanareo gne tegnanareo am'izany. Iaho gne Yaveh Andriamanitrareo.'"
1Niresaky tamin'i Mosesy i Yaveh, nagnano hoe hoe: 2"Miresaha ame fiangonan'gne vahoakan'Israely manontolo ary zakay andreo hoe: 'Masìna enareo, fa Iaho Yaveh Andriamanitrareo da masina. 3Aoka gne tsirairadraiky hagnaja gne reniny sy gne rainy, ary tandremo gne Sabatako, Iaho gne Yaveh Andriamanitrareo. 4Aza miodigny mandeha ame sampinareo zava-poana, na magnanoandriamanitry vy ho anareo. Iaho gne Yaveh Andriamanitrareo.5Raha magnatitry soron'gne fagnatim-pifandesa amin'i Yaveh enareo, da atero izany mba ho ekegny enareo. 6Aoka ho hanina ame andro hagnateranareo azy izany, na ame amarain'igny. 7Raha misy raha tavela mandra-pahatongan'gne andro fahatelo, da aoka hodoroa izany. Maloto izany raha ohany ame andro fahatelo. Aoka tsy ho ekegny izany, 8fa gne tsirairay izay mihina izany da hitondra gne hadisoany satria efa nangala baraky izay raha-masin'i Yaveh izy. Aoka ho alà eo ame vahoakany izany olo izany.9Raha mila gne vokatry gne taninareo enareo, da aoka enareo tsy hila agnaby gne zoron'gne tanimbolinareo, na koa handagno gne voka-pambole sy fiompia agnaby ame vokatrareo. 10Aoka enareo tsy handagno gne voaloboky agnaby ame tanim-boalobokareo, na handagno gne voaloboky izay milatsaky ame tany eo ame tanim-boalobokareo. Aoka havelanareo izy ireny hoan'gne mahantra sy gne vahiny. Iaho gne Yaveh Andriamanitrareo.11Ka mangalatry. Ka mavandy. Ka mifamitaky. 12Ka miangosy vandy ame Agnarako na manivativa Agnaran'gne Andriamanitrareo. Iaho gne Yaveh.13Ka mampijaly gne mpiara-monina aminareo na manafiky anazy. Aoka tsy hijano miaraky aminareo ame alindraiky ka hatramin'gne mandray karaman'gne mpikarama. 14Ka magnozo gne maregny na mametraky fandriky hahatafatohy eo alohan'gne jamba. Fa kosa, aoka enareo hatahotry gne Andriamanitrareo. Iaho gne Yaveh.15Ka magnano fitsara diso. Ka magnavakavak'olo satria mahantra izy, ary aza magnavakavak'olo satria olo ambony izy. Kanefa, tsaray araky gne fahamariny gne mpiara-belo aminareo. 16Ka mivezivezy magnaparitaky fosafosa eo ame vahoakanareo, fa tadiavo izay hiarovanareo gne ain'gne mpiray monina aminareo. Iaho gne Yaveh.17Ka malay gne rahalahinareo ame fonareo. Aoka enareo hizaka mafy an-kitsi-po gne mpiray tanà aminareo mba tsy hifampizaranareo ota noh gne aminazy. 18Ka mamaly faty na mitazo lolom-po amin'gne vahoakanareo, kanefa tiavo gne namanareo gne akô gne tegnanareo. Iaho gne Yaveh.19Tandremo gne didiko. Aza magnandra mampagnaraky gne bibinareo ame karazam-biby hafa. Aza magnakamba karazam-boa samihafa raha mamboly ame tanim-boly. Ka minday siky namboary tame akora roy karaza izay nampifangaroy.20Ndre ia ndre ia miara-mandry ame andevo viavy izay voafofo ho vady, nefa tsy novidiam-panavota na nome gne fahafaha, da ho sazy indreo. Aoka tsy ho vonoy indreo satria tsy olo afaka izy. 21Aoka hinday gne fagnatitry nohon'gne heloky ho an'i Yaveh eo ame fidiran'gne tragno lay fihaogna gne lehilahy_ondry lahy ho fagnatitry nohon'gne heloky. 22Da hagnano fagnavota ho anazy gne mpisorona miaraky ame ondry lahy ho fagnatitry nohon'gne heloky eo agnatrehan'i Yaveh, nohon'gne ota izay nanìny. Ary da ho voavela gne fahota izay namboariny.23Raha tonga eo ame tany enareo ary mamboly gne karazan-kazo fihinam-boa, da aoka enareo hametraky gne voany izay vokarindreo mba ho voarara tsy ho hany. Aoka ho rarà tsy ho haninareo gne voany agnatiny gne telo taona. Aoka tsy ho hany izany. 24Fa ame taona fahefatry da ho masina avokoa gne voany agnaby, ho fagnati-pidera ho an'i Yaveh 25Ame taona fahadimy da afaky hihinana gne voany enareo, satria nandigny enareo mba hafahan'gne hazo mamokatry marobe. Iaho gne Yaveh.26Ka mihina hena raha mbola misy rà izany. Ka magnontany gne fagnahy momban'gne ho avy, ary aza mitady gne hifehy gne hafa ame hery mihoatry gne natoraly. 27Ka magnaraky gne fahazaran'gne mpanompo sampy akô gne fiboria gne sisin'gne lohanareo na magnambotry gne sisiny avy ame volom-bavanareo. 28Ka mandrasa gne vatanareo ho an'gne maty na magnisy mariky tombokavatsa ame tegnanareo. Iaho gne Yaveh.29Aza mangala baraka gne zanakareo viavy ame fagnamboara anazy ho treratry, fa ho lavo ame hatrerata gne firenena ary ho feno fahadala gne tany. 30Aoka enareo hitandrgny gne Sabatako ary hagnome voninahitry gne fidoboha masin'gne taberakeliko. Iaho gne Yaveh.31Ka mihodigny ho agny amin'gne izay miresaky ame maty na ame fagnahy. Ka mitady andreo, fa raha tsy izay handoto anareo indreo. Iaho gne Yaveh Andriamanitrareo.32Aoka enareo hitsanga magnatriky gne olo fotsy volo ary hagnome voninahitry gne olo antitry. Aoka enareo hatahotry gne Andriamanitrareo. Iaho gne Yaveh.33Raha misy vahiny monina ao aminareo eo ame taninareo, da aoka enareo tsy hagnano ratsy azy. 34Aoka ho akô tera-tany Israelita mipetraky eo aminareo gne vahiny izay mipetraky miaraky aminareo, ary aoka ho tiavinareo akô gne tegnanareo izy, satria efa mba vahiny evao enareo tagny ame tany Egypta. Iaho gne Yaveh Andriamanitrareo.35Ka mampiasa fandrefesa diso raha mandrefy halava, lanja, na hamaroa. 36Aoka enareo hampiasa fandanja marina, vato mizàna marina, efaha marina, ary hinamarina. Iaho gne Yaveh Andriamanitrareo, izay ninday anareo nivoaky gne tany Egypta. 37Harahy gne didiko agnaby sy gne lalàko agnaby, ary amboary izany. Iaho gne Yaveh.'"
1Niresaky tamin'i Mosesy Yaveh, nagnano hoe: 2"Zakay ame zanak'Israely hoe: 'Izay agnaby eo ame zanak'Israely, na vahiny izay mipetraky agny Israely ka manolotry gne zanany amin'i Moloka, da aoka ho faty. Aoka hitora-bato azy gne olon'gne tany.3Nampifandrafitry gne tarehiko amin'izany lehilahy izany evao koa Aho ary hofongoriko eo amin'gne olo izy satria efa natolotriny an'i Moloka gne zanany, mba handotoa gne toerako masina sy hanivativa gne anarako masina. 4Raha magnapy gne masony am'izany lehilahy izany gne olon'gne tany refa manolotry gne zanany amin'i Moloka, raha tsy mamono anazy indreo,5da Iaho mihitsy gna hampifandrafitry gne tarehiko am'izany lehilahy izany sy gne fokony, da hofongoriko izy ary gne hafa agnaby izay mivarotry ame tegnany da hihira gne hatrerata amin'i Moloka.6Gne olo izay miriky amin'gne izay miresaky ame maty, na gne izay miresaky ame fagnahy mba hivarotry gne tegnany amindreo, da hafandragitry gne tarehiko am'izany olo izany Aho; ho fongoriko eo ame olo izy. 7Noho izany hamafiso gne tegnanareo ary aoka ho masina, satria Iaho gne Yaveh Andrimanitrareo. [Fagnamariha: Maro gne andian-teny vaovao misy hoe: "...satria Iaho gne Yaveh, Andriamanitrareo, Masina Aho."]8Aoka hitandrigny didiko enareo ary hagnaraky io.Fa Iaho gne Yaveh izay nanoka anareo ho masina. 9Aoka ho faty izay agnaby manozo gne rainy na gne reniny. Efa nanozona rainy na reniny izy, ka meloky ary mendriky ho faty.10Gne lehilahy izay manitsakitsa-bady ame vadin'olon-kafa, izany hoe, izay treratry ame sakaizam-badiny—aoka gne mpijangajanga sy gne nijangajanga ho samby ho faty tokôtry. 11Gne lehilahy izay miara-mandry ame vadin-drainy mba hiara-mandry aminazy da efa nangala baraky gne rainy. Aoka ho faty tokôtry gne zanakalahy sy gne vadin-drainy. Meloky indreo ary mendriky ho faty. 12Raha misy lehilahy miara-mandry ame vinanto vaviny, da aoka samy ho faty tokôtry izy roy. Efa nagnano fahavetaveta indreo. Diso indreo ary mendriky gne ho faty.13Raha misy lehilahy miara-mandry ame lehilahy hafa, akô gne miaraky ame viavy, da samy efa nagnano raha mampadikidiky indreo. Aoka ho faty tokôtry indreo. Diso indreo ary mendriky gne ho faty. 14Raha misy lehilahy manambady viavy ary manambady gne reniny evao koa, da faharatsia izany. Aoka ho doroa indreo, izy sy gne viavy, mba tsy hisy faharatsia eo aminareo.15Raha misy olo miara-mandry ame biby, da aoka ho faty tokôtry izy, ary aoka enareo hamono gne biby. 16Raha misy viavy magnato biby mba hiara-mandry am'izany, da aoka hamono gne viavy sy gne biby enareo. Aoka ho faty tokôtry indreo. Diso sy mendriky ho faty indreo.17Raha misy lehilahy miara-mandry ame anabaviny, na koa ame zanaky vavin'gne rainy na gne zanaky vavin'gne reniny—raha miara-mandry aminazy izy ary miaraky aminazy, da raha mahamegnatry izany. Aoka hofongora eo ame fagnatrehan'gne olony indreo, satria niara-nandry tame anabaviny. Da hibaby gne hadisiny izy. 18Raha misy lehilahy miara-mandry ame viavy mandritry gne fadim-bolany ary efa niara-mandry taminazy, da efa napandry gne rà nikoria taminazy, gne nipitiran'gne ràny. Da aoka samy hofongora avy amin'gne olony izy roy.19Aoka tsy hiara-mandry amerahavavin-dreninao enao, na ame anabavin-drainao, satria hangala baraky gne havanao akaiky anao enao. Tsy maintsy hibaby hadisoanao enao.20Raha misy lehilahy miara-mandry ame nenitoany, da nangalabaraky gne dadatoany izy. Refa maty indreo, da samy ho saziako, ary refa maty indreo, da ho halaiko gne lovandreo agnaby gne zanak'indreo izay mety ho azony avy amin'gne ray aman-dreniny.21Raha misy lehilahy manambady gne vadin-drahalahiny raha mbola velo gne rahalahiny, da fahafaham-baraky, izany. Efa nangala baraky gne rahalahiny izy, ary ho alaiko avy ame zanany gne fanagna agnaby mety efa nolovandreo avy amin'gne ray aman-dreniny.22Koa aoka enareo hitandrina gne didy aman-dalako agnaby; aoka hagnaraky izany enareo mba hafahanareo mipetraky ame tany izay nomeko anareo ka tsy handoha enareo.23Aoka tsy handeha ame fomban'gne firenena izay hindesiko eo alohanareo enareo, satria efa nagnano izany raha agnaby izany indreo, ary halako ireo.24Hoy Aho aminareo hoe: ''Handova gne tanin'indreo enareo; hagnome izany ho fanagna ho anareo Aho, tany mikoria ronono sy gne tintely. Iaho gne Yaveh Andriamanitrareo, izay efa nagnavaky anareo tamin'gne olon-kafa. 25Noho izany aoka enareo hagnavaky gne biby madio sy gne maloto, gne voro-magnembo maloto sy madio. Aoka enareo tsy handoto gne tegnanareo amin'gne biby maloto gne voro-magnembo na ame zava-managn'ay agnaby izay mandady ame tany, izay efa navahiko ho maloto taminareo.26Aoka ho masina enareo, fa Iaho, Yaveh, da masina, ary efa nanavaky anareo tamin'gne olon-kafa, satria Ahy enareo.27Aoka ho faty tokôtry gne lehilahy na gne viavy izay miresaky ame faty na miresaky amin'gne fagnahy. Aoka hitora-bato andreo gne olona. Diso indreo ary mendriky gne ho faty."'
1Hoy Yaveh tamin'i Mosesy: "Miresaha amin'gne mpisorona, gne zanaky lahin'i Arona, ary zakay indreo hoe: 'Tsy misy ndre raiky aminareo aza hampaloto gne tegnany ho an'gne izay maty eo ame olony, 2afa-tsy gne havany akaiky anazy—gne reniny, gne rainy, gne zanany lahy, gne zanany vavy, gne rahalahiny, 3na gne anabaviny virjiny izay miantehitry aminy, ambara-panagnany vady—fa mety hampaloto gne tegnany ho anazy izy.4Kanefa aoka tsy handoto gne tegnany ame olon-kafa izy ka handoto gne tegnany. 5Aoka gne mpisorona tsy hagnaratry gne lohany na hagnaratry gne sisin'gne volom-bavany, nahitetiky gne tegnany. 6Aoka ho masina ame Andriamanitriny indreo ary tsy hagnivaiva gne agnaran'Andriamanitriny, satria gne mpisorona gne manome gnefagnatitry hohany ho an'i Yaveh, gne mofon'gne Andriamanitr'indreo. Noho izany aoka ho masina ireo mpisorona.7Aoka indreo tsy hanambady gne viavy izay mpivaro-tegna sy maloto, ary aoka tsy hanambady viavy nisara-bady indreo, satria indreo da nisaraky ame Andriamanitrindreo. 8Ho atokanareo izy, satria indreo evao gne nanolotry mofo ho an'Andriamanitrareo. Aoka ho masina aminareo izy, satria Iaho, Iaho Yaveh izay magnamasina anareo, da masina. 9Gne zanaky vavin'gne mpisorona izay mandoto gne tegnany ame fahalasa ho mpivaro-tegna mangala baraky gne rainy. Tsy maintsy doroa izy.10Izay mpisoronabe eo amin'gne rahalahiny, eo ame lohan'izay nandraraha menaky fagnosotry, ary izay efa nohamasiny hitafy gne sikiny voatoka ho an'gne mpisoronabe, aoka tsy hampisarakorako gne volony na handriatry gne sikiny. 11Aoka tsy handeha egny am'izay misy fatin'olo izy ka handoto gne tegnany, na gne rainy na gne reniny aza. 12Aoka gne mpisoronabe tsy handao gne faritry gne fidoboha masin'gne tabernakely na handatsaky hasy gne fidobiha masin'gne Andriamanitriny, satria efa nohamasiny ho mpisoronabe tame alalan'gne fagnosora gne menakin'gne Andriamanitriny izy. Iaho gne Yaveh.13Aoka gne mpisoronabe haka vady virijiny. 14Aoka tsy hanambady mpitondrategna izy, viavy nisara-bady, na viavy mpivaro-tena. Tsy hanambady izany karazam-biavy izany izy. Virijiny avy ame olony evao gne afaky vadiany, 15ka tsy handoto gne zanany eo ame olony, satria Iaho gne Yaveh, gne nagnamasy anazy."'16Hoy Yaveh tamin'i Mosesy, magnano hoe: 17"Miresaha amin'i Arona ary zakay anazy hoe: 'Izay rehetra mana kilema ara-bata ame taranakareo sy gne fara mandimbindreo, da aoka hagnato ka hanolotry hany ho an'gne Andriamanitriny.18Aoka hagnato an'i Yaveh gne olo agnaby izay mana kilema ara-bata, akô gne olo jambana olo tsy afa-mandeha, izay simba tarehy na semba, 19gne olo izay mana-takaitry gne tagna 19na gne tongotry, 20gne olo izay misy mitambiko ao an-damosiny na mahiabe na fohy, na olo misy takaitry ame masony, na misy arety, na areti-maso, kiligadra, na izay vihy efa ritirotiky. 21Tsy misy olo eo ame taranak'i Arona mpisorona mana kilema ara-bata ka mety ho avy akaiky mba hagnatanteraky gne fagnatitry vita ame afo ho an'i Yaveh. Gne olo mana kilema ara-bata; aoka izy tsy ho avy handrikitry hanolotry mofo ho an'gne Andriamanitriny.22Afaka hihina gne mofon'gne Andriamanitriny izy, na gne sasany amin'gne masina indrindra na sasany amin'gne masina. 23Ndre izany aza, aoka tsy hiditry agnatin'gne lamba fanakona na handrikitry nge alitara izy, satria manan-kilema ara-bata, ka tsy mandoto gne toerako masina, satria iaho gne Yaveh, izay magnamasina ireo.'" 24Ka noresahan'i Mosesy tamin'i Arona avokoa ireo zaka ireo, tamin'gne zanakalahiny, sy gne zanak'Israely agnaby.
1Hoy Yaveh tamin'i Mosesy, magnano hoe: 2"Miresaha amin'i Arona sy gne zanany lahy, zakay indreo mba hitandrigny gne raha masin'gne zanak'Israely, fa voatokana ho Anahy ireo. Aoka tsy hamigavinga gne agnarako masina indreo. Iaho gne Yaveh. 3Zakay andreo hoe: "Raha misy amin'gne taranakareo ame fara madimbinareo mandrikitry gne raha masina izay efa voatokan'gne zanak'Israely ho an'i Yaveh, kanefa maloto izy, da aoka ho fongory eo agnatrehako izany olo izany: Iaho gne Yaveh.4Tsy misy amin'gne taranak'i Arona izay mana areti-koditry mifindra, na aretin-drà mikoria tsy an-kijano avy ame vatany, afaka hihina gne soro agnaby vita ho an'i Yaveh mandra-pahadio anazy. Izay rehetra mikasiky gne raha maloto agnaby na mifandray ame maty, na ame fifandraisa ame lehilahy izay mandeha tsirinaigny tsy an-kijanona, 5na gne rehetra mikasiky gne biby mikisaky agnaby izay mampaloto anazy, na gne olo agnaby izay mampaloto anazy, na karazane loto ino izany na ino— 6ka gne mpisorona izay mikasiky gne raha maloto agnaby da haloto mandra-pahariva. Aoka tsy hihina gne amin'gne raha masina agnany izy, raha tsy efa nampandro gne tegnany tame rano.7Refa milentiky gne masoandro da hadio izy. Afaran'gne filetehan'gne masoandro izy gne afaky hihina amin'gne raha masina, satria sakafony ireo. 8Aoka tsy hihina gne raha hitany maty na novonin'gne bibidia, izay handotoany gne tegnany. Iaho gne Yaveh. 9Aoka mpisorona hagnaraky gne fampianarako, fa saode ho meloky ame ota indreo ka ho faty ame fanimbazimba Anahy. Iaho gne Yaveh izay nagnamasy ireo.10Tsy misy olo ivelan'gne fianakavian'gne mpisorona, agnatin'izany gne vahinin'gne mpisorona na gne mpiasany mpikarama, afaky hihina gne raha-masina agnaby . 11Nefa raha mividy andevo amin'gne volany mitoka gne mpisorona, izany andevo izany da afaky hihina amin'gne raha izay voatoka ho an'i Yaveh. Gne fikambanan'gne fianakavian'gne mpisorona sy gne andevo teraky tao an-dragnony, indreo evao koa da afaky hihina gne raha ireo miaraky aminazy.12Raha gne zanaky vavin'gne mpisorona no manambady olo izay tsy mpisorona, da tsy afaky hihina amin'gne anjara fagnatitry masina izy. 13Fa raha mpitondra tegna gne zanaky viavin'gne mpisorona, na nisara-bady, ary raha tsy manan-janaka izy, ka mipody mipetraky ame tragnon-drainy akô tame fahazazany, da afaky hihina gne sakafon-drainy. Fa tsy misy olo izay tsy ao agnatin'gne fianakavian'gne mpisorona afaky hihina ame sakafon'gne mpisorona.14Raha misy olo mihina tsy nahy gne hany masina, da aoka hagnonitry izany ame mpisorona izy; aoka hagnampy iray ampaha-dimin'izany izy ary hagnampody izany agny ame mpisorona. 15Aoka gne zanak'Israely tsy hametaveta gne raha masina izay efa nasandratry ambony sy natolotry tamin'i Yaveh, 16ary nampitondra fahota izay magnameloky andreo ame fihinana gne hany masina, fa Iaho gne Yaveh izay magnamasina ireo."'17Hoy i Yaveh tamin'i Mosesy, nagnano hoe: 18"Miresaha amin'i Aronasy gne zanany lahy, ary amin'gne zanak'Israely agnaby. Zakay andreo hoe: 'Gne Israelita agnaby, na vahiny mipetraky ao Israely, refa manolotry soro indreo__na hagnefa voady izany, na fagnatitry antsitra-po, na hatolotrindreo amin'i Yaveh gne fagnatitry doroa, 19raha ho hankasitraha izany, da aoka indreo hanolotry biby fiompy lahy tsy misy kilema, ondry, na osy.20Nefa aoka enareo tsy hanolotry izay manan-kilema. Tsy hankasitraky izany eo aminare Aho. 21Izay rehetra manolotry fagnatim-pihavana avy amin'gne aomby na ondry ho an'i Yaveh mba hagnatanteraha voady, na fagnatitry antsitra-po, da tsy tokony ho kilemay izany mba ho hankasitraha. Tsy tokony hanan-takaitry gne biby.22Aoka tsy hanolotry biby jamba, sembana, na kilemay, na izay misy fahaboka, marary, na be bay enareo. Aoka tsy hanolotry ireo amin'i Yaveh ho soro avy tame afo eo ame alitara enareo. 23Afaka manolotry aomby raiky na zanak'ondry izay sampogny na kely ho fagnatitry antsitra-po enareo, nefa gne fagnatitry akô izany da tsy hohankasitraha ho an'gne voady.24Ka manolotry biby izay efa voarotidrotiky, na potipotiky, rovidrovitry, na tapaky vihy ho an'i Yaveh. Ka magnano izany ao agnatin'gne taninareo. 25Aoka enareo tsy hanolotry gne mofon'gne Andriamanitrareo avy ame tanan'gne vahiny. Ireo biby ireo da sampona ary manan-kilema, tsy ho hankasitraha avy aminareo indreo."'26Niresaka tamin'i Mosesy Yaveh ary nagnano e: 27"Refa teraky gne aomby na gne ondry na gne osy, da tsy maintsy mijano hafitoa miaraky ame reniny izany. Ary manomboky ame fahavalon'andro no miakatra, da afakahankasitraha ho an'gne fagnatitry vita ame afo ho an'i Yaveh izany.28Ka mamono aomby vavy na ondry vavy miaraky ame zanany, samy ame andro raiky. 29Refa magnano soro fagnati-pisaora ho an'i Yaveh enareo, da aoka hagnano soro izany ame fomba azo ekena. 30Aoka hohany am'izany andro izany evao izay nanÿ sorona. Aoka tsy hisy apetranareo hotra-maraina izany. Iaho gne Yaveh.31Koa aoka hitandrigny gne didiko sy hagnatanteraka ireo enareo. Iaho gne Yaveh. 32Aoka tsy hagnamavo gne agnarako masina enareo. Aoka ho eke ho masina ame alalan'gne zanak'Israely Aho. Iaho gne Yaveh izay nagnamasina anareo, 33izay nitondra anareo nivoaky avy tagny Egypta mba ho Andriamanitrareo: Iaho gne Yaveh."
1Yaveh nizaka tamin'i Mosesy hoe: 2"Miresaha ame olon'Israely, ary mizaka amindreo hoe: 'Itoa aby gne firavoravoa voatendry ho an'i Yaveh, izay tsy maintsy ambaranareo ho fikambana masina; ireo gne firavoravoako mahazatry.3Afaky miasa agnatiny gne eninaandro enareo, fa gne andro fahafito da Sabata fijanina tikôtry, fikalbana masina. Aoka enareo tsy hiasa satria Sabata ho an'i Yavhe ame toera agnaby izay hipetrahanareo izany.4Itoa aby gne firavoravoa voatendrin'i Yaveh, da gne fikambana masina izay tsy maintsy zakainareo ame fotoany voatondro: 5Gne voalohan'gne volana, ame andro fahaefatry gne volana ame sondrognandro, gne Paskan'i Yaveh. 6Ame andro faha-dimby amby folon'io volana io evao gne Firavoravoan'gne Mofo tsy Misy Masirasira ho an'i Yaveh. Agnatiny gne fito andro enareo da tsy maintsy mihina mofo tsy misy masirasira.7Gnandro voalohany da tsy maintsy atokanareo mba hivoria miaraky; tsy hagnano gne asa mahazatry anareo enareo. 8Hanolotry fagnatitry hohany ho an'i Yaveh enareo agnatiny gne fitoandro. Gne andro fahafit da fifandresa natoka ho an'i Yaveh, ary amin'io andro io enareo da aoka tsy hagnano asa mahazatry."'9Yaveh nizaka tamin'i Mosesy, nagnano hoe: 10"Miresaha ame olon'Israely ary mizaka amindreo hoe: 'Refa tonga ao ame tany izay homeko anareo enareo, ary refa mihila gne vokatr'izany enareo, da tsy maintsy minday amboaran'gne voaloham-bokatr'izany ho an'gne amboara mpisorona. 11Hanandratry gne mamboara eo agnatrehan'i Yaveh izy ary hanolotry izany ho Anazy, fahankasitraha eo aminareo izany. Ame androa orian'gne Sabata gne hanandratan'gne mpisorona izany sy hanolorany izany ho Anahy.12Ame andro izay hanandratanareo gne amboara sy hanolora izany ho Ahy, da tsy maintsy manolotry zanak'ondry lahy raiky erintao sy tsy misy kilema ho fagnatitry doroa ho an'i Yaveh enareo. 13Gbe fagnatitry vary da tsy maintsy koba manify roy ampahafolon'gne efaha miaro menaky, fagnatitry nanÿ tame afo ho an'i Yaveh, mba hamoaky hagnitry ankasitraha, ary divay fagnatitry sotroina, ampahefatry gne hina miaraky am'izany. 14Aoka enareo tsy hihina mofo, na vary nendasina na tsotry, mandra-pahatongan'gne andro nitondranareo io fagnatitry io ho an'gne Andriamanitrareo. Ho lalàna raikitry ame taranak'gne vahoakanareo, ame toera agnaby hipetrahanareo izany.15Manomboky ame androa afaran'gne Sabata—izay andro nitondranareo gne amboaran'gne fagnatitry ahevaheva—da magnisà fito herignandro feno. 16Hagnisa dimampolo andro, izay ho andro afaran'gne Sabata fahafito enareo. Avy eo da tsy maintsy hanolotry fagnatitry vary vaovao ho an'i Yaveh.17Tsy maintsy hinday mofo roy nanÿ tame ampahafolon'gne efaha avy agny an-tragnonareo enareo. Tokony hovita tame koba manify sy mofo misy lalivay ireo; ho fagnatitry voaloham-bokatry ahevaheva ho an'i Yaveh ireo. 18Tsy maintsy atolotrareo miaraky ame mofo ireo zanak'ondry lahy fito erintao sy tsy misy kilema, vantotr'aombilahy raiky, ary ondrilahy roy. Tsy maintsy anÿ fagnatitry doroa hoan'i Yaveh, miaraky ame fagnatitr varindreo sy gne fagnatitriny sotroy ireo, fagnatitry izay nanÿ tame afo ka mamoaky hagnitry ankasitraha ho an'i Yaveh.19Tsy maintsy manolotry osilahy raiky ho an'gne fagnatitry gne heloky enareo, ary zanak'ondrilahy roy erintao ho an'gne sorona, ho fagnatitry gne finama. 20Gne mpisorona da tsy maintsy magnevaheva ireo miaraky ame mofon'ireo voaloham-bokatry eo agnatrehan'i Yaveh ary manolotry andreo ho Anazy mba hofagnatitry miaraky amin'gne zanak'ondry roy. Ho fagnatitry masina ho an'i Yaveh ho an'gne mpisorona ireo. 21Amin'io andro io evao enareo da tsy maintsy magnano fagnambara. Hisy gne fifandresa masina, ka tsy hagnano asa mahazatry enareo. Ho lalàna raikitry ame taranak'gne vahoakanareo ame toera agnaby hipetrahanareo izany.22Refa mihila gne vokatry gne taninareo enareo, da tsy tokony hila agaby gne zoron'gne tanimbolinareo, ary tsy tokony hanangona izay latsaka ame vokatrareo. Tsy maintsy apetranareo ho an'gne mahantra sy ho an'gne vahiny ireo. Iaho gne Yaveh Andriamanitrareo."'23Niresaky tamin'i Mosesy i Yaveh, nagnano hoe: 24"Miresaha ame olon'Israely ary mizaka hoe: 'Ame fahafiton'gne volana, gne andro voalohan'izany volana izany da ho fielatsasatry magnetriketriky ho anareo, fahatsiarova miaraky ame fitsofa trompetra, ary fifandreda masina. 25Aoka enareo tsy hagnano asa mahazatry, ary aoka enareo hanolotry soro nanÿ tame afo ho an'i Yaveh."'26Da niresaky tamin'i Mosesy Yaveh, nagnano hoe: 27"Ary ame andro faha folon'izany volana fahafito izany gne Andron'gne Fagnavota. Ho fifandraisa masina izany, ary enareo da tsy maintsy magnetry gne tegnanareo ary manolotry fagnatitry nanÿ tame afo ho an'i Yaveh.28Aoka enareo tsy hiasa amin'io andro io satria Andron'gne Fagnavota izany, mba ho fagnavota ho an'gne tegnanareo eo agnatrehan'i Yaveh Andriamanitrareo. 29Izay rehetra tsy magnetry gne tegnany amin'io andro io da tsy maintsy alàna avy eo ame olony.30Ndre ia ndre ia miasa amin'io andro io, Iaho, Yaveh, da handrava azy eo amin'gne olony. 31Aoka enareo tsy hagnano asa amin'io andro io ndre ino ndre ino izany. Ho lalàna raikitry ame taranak'gne vahoakanareo ame toera agnaby hipetrahanareo izany. 32Izany andro izany da tsy maintsy ho Sabata fialavalaky manetriketriky ho anareo, ary enareo da tsy maintsy magnetry gne tegnanareo ame andro fahasivin'gne volana ame hariva. Manomboky ame hariva ka hatramin'gne alina enareo da tokony mandiniky gne Sabatanareo."33Yaveh niresaky tamin'i Mosesy, nagnano hoe: 34"Miresaha ame olon'Israely, magnano hoe: 'Ame andro fahadimy amby folon'gne volana fahafito gne ho Firavoravoan'gne Fialofa ho an'i Yaveh. Haharitry fito andro izany.35Ame andro voalohany da tsy maintsy hisy fifandresa masina. Aoka enareo tsy hagnano asa mahazatry. 36Agnatiny gne fitoandro enareo da tsy maintsy manolotry soro nanÿ tame afo ho an'i Yaveh. Ame andro fahavalo da tsy maintsy hisy fifandresa masina, ary tsy maintsy magnano soro ame afo atolotry ho an'i Yaveh enareo. Fifandresa magnetriketriky izany, ary enareo da aoka tsy hagnano gne asa mahazatry.37Ireo gne firavoravoa voatendry ho an'i Yaveh, izay tsy maintsy ambaranareo ho fifandresa masina mba hanolora soro nanÿ tame afo ho an'i Yaveh, fagnatitry doroa sy fagnatitry vary, soro sy fagnatitry sotroy, gne tsiraidraiky samby ame androny aby. 38Ireo firavoravoa ireo da hiampy gne Sabatan'i Yaveh sy gne fagnomezanareo, gne voadinareo agnaby, ary gne fagnatitrareo an-tsitrapo izay homenareo an'i Yaveh.39Momba gne Firavoravoan'gne Fialofa, ame andro fahadimin'gne volana fahafito, refa voalagnonareo gne vokatry gne tany, da tsy maintsy tànanareo io firavoravoan'i Yaveh agnatiny gne fitoandro io. Gne andro voalohany da ho fialavalaky magnetriketriky, ary gne andro fahavalo evao koa da ho fialavalaky magnetriketriky.40Ame andro voalohany enareo da tsy maintsy mangala gne vokatry tsara indrindra avy amin'gne hazo, gne sampan'gne hazo rofia, sy gne sampana mandravin'gne hazo matevy, ary hazo malahelo egny amin'gne loharano, da hifaly eo agnatrehan'i Yaveh Andriamanitrareo agnatiny gne fito andro enareo. 41Agnatiny gne fito andro isan-taona, da tsy maintsy mankalaza io firavoravo an'i Yaveh io enareo. Ho lalàna raikitry ame taranak'gne vahoakanareo ame toera agnaby hipetrahanareo izany. Tsy maintsy hankalaza io firavoravoa io enareo ame volana fahafito.42Aoka enareo hipetraky ame fialofa na kely mandritry gne fito andro. Gne Israelita tera-tany agnaby da tsy maintsy hipetraky ame fialofa madiniky agnatiny gne fito andro, 43mba ho afaky hianatry gne fomba namponenako gne olon'Israely tame fialofa akô izany refa notarihiko niala gne tany Egypta gne taranakareo, taranaky miampy taranaky. Iaho gne Yaveh Andriamanitrareo."' 44Tam'izany fomba izany, gne nanambaran'i Mosesy tame olon'Israely gne firavoravoa voatendry hoan'i Yaveh.
1Nizaka tamin'i Mosesy i Yaveh, nagnano hoe: 2"Baikoy gne olon'Israely mba hinday menaky tsy mifangaro vita tame oliva ho anao mba ampiasay ao ame fanilo, mba hirehitry fezay gne jiro.3Arona da tsy maintsy magnapetraky gne jiro hirehitry fezay ao ivelan'gne lamba eo agnatrehan'gne didim-paneke ao ame lay fihaogna, manomboky gne hariva mandra-pandray gne andro. Ho lalàna maharitry hatramin'gne taranak'gne vahoakanareo izany. 4Gne mpisoronabe d tsy maintsy mitandrigny gne jiro hirehitry fezay eo agnatrehan'i Yaveh, jiro eo ame fitoeran-jiro volamena tsy misy fangarony.5Aoka enao hangala koba manify ary hagnendy mofo roy amby folo am'izany. Tsy maintsy misy roy ampahafolon'gne efaha isaky gne mofo. 6Avy eo enao da hizara izany ho lalany roy, enina ame lalany raiky, eo ambonin'gne latabatry vita tame volamena tsy mifangaro.7Aoka enao hametraky ditin-kazo magnitry madio isak'gne lalany mofo ho fagnati-pahatsiarova. Ioditin-kazo magnitry io da hodoroa ho an'i Yaveh. 8Isaky gne Sabata gne mpisorona abo da tsy maintsy mametraky mandrakarivany mofo eo agnatrehan'i Yaveh ho an'gne olon'Israely, mba hofamantara gne faneke tsy manam-pahatapera. 9Io fagnatitry io da ho an'i Arona sy gne zanany lahy, ary hohanindreo eo ame toerana izay masina izany, satria asasany avy tamin'gne fagnatitry nanÿ tame afo ho an'i Yaveh izany."10Ary nisy zanaky viavy Israelita raiky, izay Egyptiana gne rainy, nandeha teo ame vahoakan'Israely. Io zanakalahin'gne viavy Israelita io da niady tame Israelita raiky tao ame toby. 11Nizaka ratsy gne anaran'i Yaveh sy nagnozo an'Andriamanitra io zanakalahin'gne viavy Israelita io, ka nindesin'gne vahoaka teo amin'i Mosesy izy. Sebomita gne agnaran'gne reniny, zanaky vavin'i Dibry, avy ame fokon'i Dana. 12Notazognindreo tao am-ponja izy mandra-pagnambaran'i Yaveh Izy tegnany gne sitrapony amindreo.13Da nizaka tamin'i Mosesy Yaveh, nagnano hoe: 14"Alay gne lelahy izay nagnozana an'Andriamanitra tao ambadik'e toby. Izay maharehy anazy agnaby da tsy maintsy magnapetraky e tagnan-dreo eo ame lohany, ary aoka e fengona raiky agnaby hitoraba-bato anazy.15Aoka anao hagnazava ame gn'olon'Israely ary hizaka hoe: "Izay rehetra magnozo gne Andriamaniny da tsy maintsy mizakany hadisoany. 16Izy izay mizaka ratsy gne anaran'i Yaveh da tsy maintsy ho vonoy tokoa. Tsy maintsy hitora-bato azy tokôtry gne fiangona agnaby, na vahiny izy natera-tany Israelita. Raha misy olo mizaka ratsy gne agnaran'i Yaveh, da tsy maintsy vonoy izy.17Raha misy olo mamono olo hafa, da azo antoky fa hovonoy izy. 18Raha misy olona mamono gne bibin'gne olo raiky hafa, da tsy maintsy manonitry izany izy, aina solon'aina.19Raha misy olo mandratry gne mpiara-monina aminazy, da tsy maintsy atao aminazy izay nanìny tame mpiara-monina aminazy: 20Fahatapaha solon'gne tapaky maso solon'gne maso, nify solon'gne nify. Satria nandratry olo izy, da tsy maintsy anÿ aminazy koa izany. 21Izay rehetra mamono biby raiky da tsy maintsy magnonitry izany, ary izay rehetra mamono olo da tsy maintsy vonoy.22Aoka enao hana lalàna mitovy hoan'gne vahiny sy gne tera-tany Israelita, fa Iaho gne Yaveh Andriamanitrao."' 23Koa niresaky tame olon'Israely i Mosesy, ary nindesin'gne olo nivoaky tao ivelan'gne toby gne lehilahy, gne nagnozo an'i Yaveh. Notorahindreo tame vato izy. Ireo olon'Israely da nagnano arak'izay nandidian'i Yaveh an'i Mosesy.
1Nizaka tamin'i Mosesy teny an-tendrombohitr'i Sinay Yaveh, nagnano hoe: 2"Mizaka ame vahoakan'Israely ary zakay amindreo hoe: 'Refa mandeha ame tany izay omeko anareo enareo, da aoka mba hitandrigny gne Sabata ho an'i Yaveh gne tany.3Aoka enao hamboly eo ame tanimbolinao agnatiny gne enin-tao, ary agnatiny gne enin-tao da aoka enao handrantsa gne tanim-boalobokao ary handagno gne vokatry. 4Fa ame tao faha fito, da aoka hotandrovy gne andro Sabatan'gne fialavalaky magnetriketriky ho an'gne tany, Sabata ho an'i Yaveh. Aoka enao tsy hamboly eny ame tanimbolinao na handrantsa gne tanim-boalobokao.5Aoka enao tsy hinday filà voalamy ame raha agnaby mitsiry fahatany, ary aoka enao tsy hinday filà voalamy ame voaloboky agnaby izay mitombo eo ame voaloboka izay tsy voarantsa. Ho taom-pitsahara magnetriketriky ho an'gne tany izany. 6Izay mitsiry eo ame tany izay tsy niasa tagnatiny gne taon'gne Sabata no ho haninao. Enao, gne mpiasa lahy sy vavy, gne mpiasa karamainao ary gne vahiny izay mipetraky miaraka aminao ary gne aoka handagno hanina, 7ary gne biby fiompinao sy gne bibidia gne aoka hihina izay rehetra vokarin'gne tany.8Aoka enao hagnisa Sabata fitoamin'gne taona, izany hoe, im-pito isaky gne fito taona, mba hisy Sabata fito gne taona, sivy amby efa-polotao gne fitambarany. 9Da aoka enao hitsoka atsiva mafy ndre ia ndre ia ame andro fahafolon'gne volana faha fito. Ame Andron'gne Fagnavota da aoka enao hitsotry atsiva magnera nge taninao agnaby.10Aoka enao hanok gne taona faha dimam-polo ho an'i Yaveh ary hagnambara gne fahafaha magnera gne tany ame mponiny agnaby. Ho Jobily ho anao izany, izay tsy maintsy hafetry na gne fanagna sy gne andevo agny amin'gne fianakaviany.11Ho Jobily ho anao gne faha dimam-polo taona. Aoka enao tsy hamboly na hinday filà voalamy. Mihinàna izay mitsiry agnaby ho anazy, ary alagnony gne voaloboky izay mitombo eo ame tanim-boaloboky tsy voarantsagny. 12Fa Jobily, izay ho masina ho anao izany. Aoka enao hihina gne vokatry izay magniry ho anazy ivelan'gne saha.13Aoka hagnapody tsiraidraiky agny ame zara-taniny evao enao amin'ity taonan'gne Jobily ity. 14Raha mivarotry tany ame namanao enao na mividy tany avy ame namanao, da aoka enareo tsy hifamitaky na hifagnano ratsy.15Raha mividy tany ame namanao enao, hevero gne isan'gne taona sy gne vokatry izay afaky hilay madra-pahavingan'gne Jobily magnaraky. Aoka evao koa gne namanao mivarotry gne tany hihevitry izany. 16Gne ha maron'gne isan'gne taona mandra-pahavingan'gne Jobily magnaraky gne hampitombo gne lanjan'gne tany, ary gne havitsian'gne isan'gne taona mandra-pahatongan'gne Jobily magnaraky gne hampihegna gne lanja. Satria gne isan'gne vokatry ho vokarin'gne tany ho an'gne tompo gne vaovao da mifandraiky ame isan'gne taona mialohan'gne Jobily magnaraky. 17Aoka enareo tsy hifamitaky na hifagnano ratsy; fa kosa; aoka enao hagnome voninahitry an'Andriamanitrao, fa Iaho gne Yaveh Andriamanitrao.18No ho izany da aoka enao hagnaraky gne didiko, hitandrina gne lalàko, ary hampihatra azy io. Da hipetraky ao ame tany am-pilamina enao.19Hagnome gne vokatriny gne tany, ary hihina enao ka hovoky ary hipetraky agny am-pilamina ao.20Mety hizaka enao hoe: "Inona gne hohaninay agnatiny taona faha fito? Indro, tsy afaky mamboly na mandagno gne vokatrinay iahay." 21Handidy gne fitahiako Aho mba ho avy aminareo ame tao fahaenina, ary hamokatry vokatry ampy agnatiny gne telo tao izany.22Hamboly enao ame taona fahavalo ary hanohy hihina avy ame vokatry gne taona teo aloha sy hany voatahiry. Ambara-pahatongan'gne fihila ame taona faha sivy, da afaky hihina avy ame vatsy voatsary tame taona teo aloha enao.23Aoka tsy hamidy ame tompo vaovao gne tany, satria Ahy gne tany. Vahiny avokoa enareo ary mponina mandalo eo ame taniko.24Aoka enao handiniky gne zon'gne fagnavota hoan'gne tany agnaby izay azonao; aoka enao hametraky gne tany hipody ho vidian'gne fianakavia izay nividiananao izany.25Raha tonga mahantra gne Israelita na magnano ary noho izany antony izany no nivarotany gne sasany ame fanagnany, da mety ho avy gne havany mariny tokôtry ary hividy gne fanagna izay namidiny taminao.26Raha tsy manan-kava mba hagnavotry gne fanagnany gne lehilahy raiky, kanefa raha ambinina izy ary mana fahafaha hagnavotry izany,27da hikajy gne taona hatramin'gne nivarota gne tany sy nagnonera indraiky gne fandanja tamin'gne olo izay nivarotany izany izy. Da hipody agny ame fanagnany evao izy.28Fa raha ôtraky tsy afaky magnapody gne tany ho anazy evao izy, da hijano ho fanagnan'gne nividy izany hatramin'gne taon'gne Jobily gne tany. Ame taon'gne Jobily, da hapody ame lehilahy izay nivarotry izany gne tany, ary gne tena tompony hipody ame fanagnany.29Raha mivarotry trano agny ame tanàna mivala gne lehilahy raiky, da mety hividy izany indraiky agnatin'gne tao raiky agnaby izy afaran'gne nahalafo izany. Fa agnatiny gne tao raiky agnaby da hana gne zon'gne fanavota izy.30Raha tsy avotry agnatin'gne taona raiky agnaby gne tragno, da ho fanagna mandrakizay ho an'gne olo iza nividy izany gne tragno ao ame tanàna mivala, kahatramin'gne taranakiny fara mandimby. Da tsy ho hipody izany trano izany ame taon'gne Jobily.31Fa gne tranon'gne vohitra izay tsy misy vala magnodidy anazy da hipody akô gne sahan'gne tany. Havota izy ireo, ary tsy maintsy hapody agnatiny gne taon'gne Jobily.32Ndre ia ndre ia, gne tragnon'gne Levita ao an-tanànandreo da ho avotry ame fotoa agnaby.33Raha tsy magnavotry gne tragno izay namidiny raiky amin'gne Levita, da tsy maintsy hapody ame taon'gne Jobily gne tragno izay namidiny tao an-tanàna nisy anazy, fa fanagnandreo ame vahoakan'Israely gne tragnon'gne tanànan'gne Levita.34Fa gne tanimboly magodidy gne tanànany da tsy afaky hamidy satria fanagna raikitr'gne Levita izany.35Raha lasa mahantra gne mpiray tanindraza aminao, ka tsy afaky mamokatry ho anazy koa izy, da aoka enao hagnampy azy akô gne hagnampianao vahiny na olo raiky izay mipetraky akô gne mpivahiny eo aminao. 36Aza mangala tombony aminazy na magnandra magnararaotra anazy ame fomba rehetra, fa magnomeza voninahitry gne Andriamanitrao mba ho afaky hiaigny miaraky aminao gne rahalahinao. 37Aza mampindram-bola azy ary mangala zana-bola aminazy, na mivarotry aminazy gne haninao mba ahazoa tombony. 38Iaho gne Yaveh Andriamanitrao, izay ninday anao nivoaky gne tany Egypta, mba ahafahako manome anao gne tany Kanana, ary ahatonga Ahy ho Andriamanitrao.39Raha lasa mahantra gne mpiray tanindraza aminao ary mivarotry gne tegnany aminao, aoka enao tsy hampiasa azy akô gne andevo. 40Ataovy akô gne mpiasa karamay izy. Aoka izy ho akô gne olo izay miaigny miaraky aminao ame fotoa voafetry. Hanompo hiaraky aminao hatramin'gne taon'gne Jobily izy.41Avy eo da hiala aminao izy, izy sy gne zanany miaraky aminazy, ary hipody agny ame fianakaviany sy gne fanagnan-drainy izy.42Fa mpanompoko izay nindesiko nivoaky gne tany Egypta indreo. Tsy hamidy akô gne andevo indreo. 43Aoka enao tsy hitondra mafy andreo, fa aoka enao hagnome voninahitry an'Andriamanitrao. 44Raha gne amin'gne andevo lahy sy vavy, izay afaky azonao avy amin'gne firenena izay monina magnodidy anao, da afaky hividy andevo avy amindreo.45Aoka hividy andevo avy amin'gne vahiny izay mipatraky aminao evao koa enao, da izay avy amin'gne fianakavia izay miaraky aminao, zaza izay teraky tao ame taninao. Ho tonga fanagnanao indreo. 46Hamokatry andevo tahaka izany ho lova ho an'ireo zanakao afara, mba tazomy ho fanagna enao. Avy amindreo mandrakariva no hividiananao gne andevonao, fa aoka enao tsy hinday aminangovo gne rahalahinao amin'gne vahoakan'Israely.47Raha lasa mpanan-karena gne vahiny na gne olo izay miaigny miaraky aminao ame fotoa voafetry, ary raha lasa mahantra gne raiky ame Israelita namanao ka mamarotry gne tengany am'izany vahiny izany, na ame olo ao ame fianakavian'gne vahiny, 48refa voavidy gne Israelita namanao, da afaky vidÿ indraiky izy. Hanavotry anaey gne raiky ao ame fianakaviany.49Mety ho rahalahin-drain'gne olo, na zana-drahalahin-drainy, no manavotry azy, na olo izay havany mariny avy ame fianakaviany. Na, raha tonga mpanan-karena izy, da afaky hagnavotry gne tegnany. 50Aoka izy hifagnaraky ame olo izay nividy anazy; aoka indreo hagnisa gne taona manomboky gne taona nahalafo azy tame mpividy azy kahatramin'gne taon'gne Jobily. Aoka gne vidin'gne fagnavota anazy hiaraky ame taha efaina ame mpanompo nokaramay, ho an'gne isan'gne taona hano izany miasa ho an'gne nividy anazy.51Raha mbola misy taona maro mandra-pahavingan'gne taon'gne Jobily, aoka izy hipody handoa sandam-bola akô gne vidin'gne fagnavota izay mifandanja ame isan'gne taona. 52Raha ôtraky ka taona vitsy monja sisa mandra-pahatongan'gne taonan'gne Jobily, da tsy maintsy mifagnaraky ame mpividy azy izy mba hahita gne isan'gne taona sisa ambiny mialohan'gne taon'gne Jobily, ary aoka izy hagnefa ho an'gne fagnavota gne mifagnaraky ame isan'gne taona.53Hanÿ akô gne lehilahy nokaramay isan-tao izy. Aoka ho azonao antoky fa tsy hinday azy aminangovo tokôtry enao. 54Raha tsy avotry amin'izany izy, da aoka izy hanompo hatramin'gne taon'gne Jobily, izy sy gne zanany miaraky aminazy. 55Amiko da mpanompo gne vahoakan'Israely. Mpanompoko izay nindesiko nivoaka gne tany Egypta indreo. Iaho gne Yaveh Andriamanitrao."'
1"Aoka enareo tsy hagnano gne sampy, na hananga sarin-draha novahy na tsangam-bato masina, ary aoka enareo tsy hametraky sary vato voasokitry ao ame taninareo izay handongalihanareo, fa Iaho gne Yaveh Andriamanitrareo. 2Aoka hitandrina gne Sabatako sy hagnome voninahitry gne fitoerako masina enareo. Iaho gne Yaveh.3Raha magnaraky gne lalàko sy mitandrigny gne didiko ary mankato izany enareo, 4da hagnome erikandro anareo ame vanim-potoany Aho; hagnome gne vokatriny gne tany, ary gne hazon'gne saha hamokatry gne voany.5Ary gne fivelesam-bary da hitohy ame fotoan'gne fihilàm-boaloboka, ary hitatry hatramin'gne fotoam-pambole gne voka-boaloboky. Hihinana gne mofonareo mandra-pahavoky enareo ary hiaigny am-pilamina agny am'izay nanìnareo fonenana ao ame tany.6Hagnome fiadana ao ame tany Aho; handry miaraky ame raha tsy hampahotry anareo enareo. Hamongotry gne biby mandoza ame tany Aho, ary tsy handalo ame taninareo gne sabatry.7Hagnia gne fahavalonareo enareo, ary handavo magnatriky anareo ame sabatry indreo. 8Dimy aminareo hagnia zato, ary zato aminareo hagnia iray alina; ho lavo eo agnatrehanareo ame alalan'gne sabatry gne fahavalonareo.9Hagnety anareo amim-pankasitraha Aho ary hampamokatry sy hampitombo isa anareo; hametraky gne fagnekeko aminareo Aho.10Hihina gne hany voatahiry ame fotoa maharitra enareo. Tsy maintsy hamoaky gne sakafo voatahiry enareo satria hilainareo ho an'gne vokatry vaovao gne efitra.11Hametraky gne tabernakeliko eo aminareo Aho, ary tsy hankahala anareo Aho. 12Handeha eo aminareo Aho ary ho Andriamanitrareo, ary enareo ho oloko. 13Iaho gne Yaveh Andriamanitrareo izay ninday anareo nivoaky gne tany Egypta, mba tsy ho andevondreo ianareo, nanapaky gne hidin'gne zioganareo Aho ary nampandeha anareo mahitsy.14Fa raha tsy hihaino Ahy enareo, ary tsy hagnaraky gne didiko agnaby, 15ary raha mandà gne didiko sy mankahala gne lalàko, ary tsy mankato gne didiko agnaby enareo, fahivadihanareo gne fagnekeko—16—raha magnano gne raha ireo enareo, da hagnano izao aminareo Aho: Hampisy horohoro aminareo Aho, arety sy tazo izay hanimba gne maso sy hanimba gne enareo. Hamboly gne voa ho raha tsy misy dikany enareo, satria gne fahavalonareo gne hihina gne vokatriny.17Hametraky gne tegnako hanohitry anareo Aho, ary hanjakan'gne fahavalonareo tanteraky enareo. Hanapaky anao ireo lehilahy izay malay anao, da hilefa enao, ndre da tsy misy ndre raiky aza manenjiky anao.18Raha tsy miteno gne didiko enareo, da handilo am-pahavignira anareo im-pito nohon'gne fahotanareo Aho. 19Handrava gne avognavonareo agnatin'gne herinareo Aho. Hagnano gne lagnitry eo amboninareo ho akô gne vy Aho ary gne taninareo akô gne varahy. 20Hampiasay ame raha tsy misy dikany gne tanjakareo, satria tsy hamokatry gne vokatriny gne taninareo, ary gne hazo ao ame tany da tsy hamokatry gne voany.21Raha manohitry Ahy enareo ary tsy hihaino Ahy, hinday fagnotsoha im-pito avo heny eo aminareo Aho, araky gne fahotanareo. 22Handefa gne biby mandoza hanohitra anareo Aho, izay hangalatry gne zanakareo, handrava gne biby fiompinareo, ary hahavitsy isa anareo. Ka ho tonga ngazana ny lalanareo.23Ndre da eo aza izany raha izany ka mbola tsy manaiky gne fagnitsiako evao enareo ary manohitry Ahy fehizay, 24da hanohitry anareo evao koa Aho, da Iaho mihitsy gne hagnafay anareo im-pito no ho gne fahotanareo.25Hinday sabatry eo aminareo Aho izay hagnatanteraky gne famalia nohon'gne fivadiha tame fagnekeko. Halagno miaraky ao an-tanànareo enareo, da handefa arety eo aminareo agny Aho, da hatolotry ho eo an-tagnan'gne fahavalonareo enareo. 26Refa ho tapahiko gne sakafo vatsinareo, da vehivavy folo da hahavita hagnendy gne mofonareo agnaty lafaoro raiky, da hizara gne mofonareo ara-danja indreo. Hihina enareo fa tsy ho afa-po.27Raha tsy miteno Ahy enareo ndre da eo aza io raha io, fa mbola manohitry Ahy hatrany, 28da hanohitry anareo amim-pahavignira eva Aho, ary hagnafay anareo im-pito mihotry akô gne hamaroa nohon'gne fahotanareo.29Hihina gne nofon'gne zanakareo lahy enareo; hihina gne nofon'gne zanakareo vavy enareo. 30Handrava gne fitoeranareo avo Aho, hanapaky gne alitaran'gne ditin-kazomagnitry, ary hagnary gne fatinareo eo ambonin'gne fatin'gne sampinareo, da Iaho mihitsy gne halay anareo.31Hamadiky gne tanànanareo ho faharava Aho ary handrava gne fitoeranareo masina.Tsy ho faly ame hagnitrin'gne fagnatitrareo Aho. 32Handrava gne taninareo Aho. Gne fahavalonareo izay hipetraky agny da ho talanjona ame faharava. 33Hampiely anareo magnera gne firenena Aho, ary hagnatsoakay gne sabatro sy hagnaraky anareo Aho. Hialà gne taninareo, ary ho ravana ireo tanànanareo.34Da hitia gne Sabatany gne tany agnatiny gne handriany ho lao ary ho ao ame tanin'gne fahavalonareo enareo. Agnatin'izany fotoa izany, hijano gne tany ka hitia gne Sabatany.35Raha mbola handry ho lao izany, da hana fitsahara, izay ho fialavalaky tsy azony tamin'gne Sabatanareo, refa nipetraky tao enareo. 36Ary gne ame sasany aminareo izay navela agny ame tanin'gne fahavalonareo, da handefa tahotry ame fonareo Aho ka dre da ravy voatsokin'gne rivotry aza da hanaitry anareo. Da handositry akô gne hoe nilefa ame sabatry enareo. Hiatota enao, ndre da tsy misy na ia na ia magnia aza.37Ho tafintohy eo ame tsiraidraiky akô gne hoe milefa-tsabatry enareo, ndre da tsy misy na ia na ia magnia anareo. Tsy hana hery hitsanga magnatriky gne fahavalonareo enareo. 38Ho faty agny amin'gne firenena enareo, ary handrapaky anareo gne tanin'gne fahavalonareo. 39Gne izay sisa tavela aminareo da ho very ao agnatin'gne fahotandre, ao ame tanin'gne fahavalonareo, ary no ho gne heloky gne razambendreo da hihaosa indreo.40Fa raha magneky gne fahotany sy gne fahotan'gne razambeny indreo, sy gne famadiha izay tsy nahatokisa taminaha, ary koa gne fanohera Ahy— 41izay nahatonga Ahy hivadika amindreo ary nindesako andreo tagny ame tanin'gne fahavalony—raha hietry gne fondreo tsy voafora, ary raha magneky gne famaizako ho an'gne fahotany indreo, 42da ho tadidiko gne fagnekeko niaraka tamin'i Jakoba, gne fagnekeko niaraky tamin'iIsaka, ary gne fagnekeko niaraky tamin'i Abrahama; ho tadidiko evao koa gne tany.43Hielandreo gne tany, ka ho faly miaraky ame Sabatany izany agnatin'gne handriany ho lao tsy misy andreo. Ka tsy maintsy hagnonitry ho an'gne tany indreo satria indreo mihitsy gne nandà gne fitsipiko sy nalay ireo lalàko.44Fa ndre da eo aza izany rehetra izany, refa agny an-tanin'gne fahavalony indreo, da tsy hagnary andreo Aho, na halay azy ka handrava agnaby andreo sy hagnafoa gne fagnekeko niaraky tamindreo, fa Iaho gne Yaveh Andriamanitrindreo. 45Fa ho tadidiko hoandreo gne fagneke niaraky tamin'gne razambeny, izay nindesiko nivoaky gne tany Egypta teo imason'gne firenena, mba ho Andriamanitrindreo Aho. Iaho gne Yaveh.''46Ireo gne didy, fitsipiky, ary lalàna izay nataon'i Yaveh teo Aminazy sy gne vahoakan'Israely tagny an-tendrombohitr'i Sinay tame alalan'i Mosesy.
1Nizaka tamin'i Mosesy Yaveh ka nagnano hoe: 2"Miresaha ame vahoakan'Israely ka zakay indreo hoe: 'Raha misy olo magnano voady miavaky amin'i Yaveh, da ampiasao gne tombam-bidy mifagnaraky aminazy.3Gne fenitry gne tombanao ho an'gne lahy manomboka ame roapolo ka hatramin'gne enimpolo tao da tsy maintsy sekely volafotsy dimapolo, araky gne sekelin'gne fidiboha masina. 4Hoan'gne vavy amin'izany taona izany evao da sekely telopolo gne fenitry gne tombanao.5Gne fenitry gne tombanao ame dimy hatramin'gne roapolo taona da tsy maintsy sekely roapolo, ary ho an'gne vavy da sekely folo. 6Gne fenitry gne tombanao ho an'gne lahy raiky vola hatramin'gne dimy taona da tsy maintsy sekely volafotsy dimy, ary sekely volafotsy telo ho an'gne vavy.7Gne fenitry gne tombanao ho an'gne lahy enimpolo taona no miakatry da tsy maintsy sekely dimy amby folo, ary ho an'gne viavy da sekely folo. 8Nefa raha tsy afaky gne handoa gne fenitry gne tomba gne olo magnano gne voady, da tsy maintsy aboaky agny ame mpisorona gne olo atolotry, ary hanomba izany olo izany ame vidiny zakan'gne magnano gne voady gne mpisorona.9Raha misy olo magniry hagnano soro biby ho an'i Yaveh, karaha eken'i Yaveh izany, da ho voatoka ho Azy izany biby izany. 10Aoka gne olo tsy hagnova na hamadiky biby akô izany, gne tsara ho ame ratsy na gne ratsy ho ame tsara. Raha mampifamadiky biby raiky ho ame raiky hafa izy, da samby lasa masina na izany na gne raiky izay nampifamadiha taminazy.11Kanefa, raha ôtraky ka maloto gne namboarany gne olo voady home an'i Yaveh, mba tsy hagneke n'i Yaveh izany,da tsy maintsy hinday gne biby agny ame mpisorona gne olona. 12Hanombagny izany gne mpisorona, araky gne tombana ivarota gne biby. Ndre ino ndre ino tombagny apetraky gne mpisorona amin'gne biby, da izany gne ho tombany. 13Raha magniry gne hagnavotry izany gne tompony, da magnampy indimy mihotry gne tombam-bidiny ao ame vidim-pagnavotan'izany.14Refa manoka gne tragnony ho fagnomeza masina hoan'i Yaveh lehilahy raiky, da hanombagny izany gne mpisorona na ho tsara na ho ratsy. Ndre ino ndre anombagnan'gne mpisorona izany, da izany gne ho izy. 15Nefa raha magniry hagnavotry izany gne tompony izay nanoka gne fodiany, da tsy maintsy magnampy indimy mihoatry gne tombam-bidiny ao ame vidim-pagnavotan'izany izy, kaho azy izany.16Raha manoka gne sasany ame taniny evao gne lehilahy raiky, da ho arakaraky gne lanjan'gne voa ilay hovole am'izany no hotombam-bidiny_vary hordea raiky homera ho tombagna sekely volafotsy dimapolo.17Raha ôtraky ka manoka gne tanimboliny agnatiny gne taon-jobily izy da hijano am'izany evao gne tombam-bidiny. 18Kanefa raha manoka gne tanimboiny afaran'gne taon-jobily kosa izy, da aoka atambatry gne mpisorona gne tomban'gne tanimboly araky gne isan'gne taona sisa mandra-pahatongan'gne taon-jobily magnaraky, ary tsy maintsy hakelezy gne tombam-bidin'izany.19Raha magniry hagnavotry gne tanimboly gne lehilahy izay nanoka izany, da tsy maintsy magnampy indimy mihotry gne tombam-bidy izy, ka ho azy izany. 20Raha tsy agnavotry gne tanimboly kosa izy, na efa novarotany tamin'olon-kafa gne tanimboy, da tsy azo avota intsony izany. 21Kanefa, gne tanimboly, refa avoaky ame taon-jobily, da ho fagnomeza masina ho an'i Yaveh izany, akô gne tanimboly izay efa natolotry tanteraky ho an'i Yaveh. Hoan'gne mpisorona izany.22Raha manoka tanimboly izay avy novidiany gne lehilahy raiky, kanefa tsy anisan'gne tanin-drazany izany tanimboly izany, 23da ho vinavinain'gne mpisorona gne tombam-bidin'izany hatramin'gne taon-jobily, ka tsy maintsy aloan'gne lehilahy ho fagnomeza masinavho an'i Yaveh gne tomban'izany am'izany andro izany.24Ame taon-jobily, da hipody agny amin'gne lehilahy izay nividiana izany gne tany, agny ame tompon'gne tany. 25Gne tombam-bidy agnaby da tsy maintsy anÿ araky gne lanjan'gne sekelin'gne fidoboha masina. Tsy maintsy gera roapolo gne mifagnaraky ame sekely raiky.26Tsy misy mahazo manoka gne voalohan-teraky ame biby, satria gne voalohan-teraky da efa an'i Yaveh; na aomby na ondry, an'i Yaveh izany. 27Raha ôtraky biby maloto izany, da mahazo mividy izany indraiky ame tombam-bidiny gne tompony, ary tsy maintsy magnampy indimy mihotry ao ame tomban'izany. Fa raha tsy avotry kosa gne biby, da ho amidy ame tombany voatondro izany.28Fa tsy misy raha izay atokan'gne lehilahy iray ho an'i Yaveh, avy amin'izay rehetra anagnany, na olombelo na biby, na gne tanin-drazany, afaky amidy na avota. Izay rehetra natoka da masina tokôtry ho an'i Yaveh. 29Tsy misy vidim-pagnavota azo aloa ho an'gne olo izay voatoka ho ame faharava. Tsy maintsy vonoy izany olo izany.30Gne ampahafolon'gne vokatry agnabin'gne tany, na voly egny amin'gne tany izany na vokatry avy ame hazo, da an'i Yaveh. Masina ho an'i Yaveh izany. 31Raha hagnavotry gne ampahafolom-bokatriny gne lehilahy raiky, da tsy maintsy magnampy indimy mihoatry ame tomban'izany izy.32Raha gne ame ampahafolon'gne omby na ondry, na ino na ino mandalo eo ambany tsorakazon'gne mpiandry gne ampahafolon'izany da tsy maintsy atoka ho an'i Yaveh. 33Aoka tsy hitady gne biby tsara na gne ratsy gne mpiarakandro, ary aoka izy tsy hampifamadiky izany. Raha toa ka manakalo izany izy, da samy masina avokoa na izany na gne natakalo anazy.Tsy afaky avota izany.'"34Gne avy nodidy izay nomen'i Yaveh ho an'i Mosesy ho an'gne vahoakan'Israely tany an-Tendrombohitry Sinay.
1Nizaka tamin'i Mosesy teo ame tragno-lay fihaogna tagny an-tany efitr'i Sinay i Yaveh. Hita izany tame andro voalohany tame vola faharoy tagnatiny gne tao faharoy tafaran'gne nivoahan'gne vahoakan'Israely avy tagny ame tagny Egypta. Hoy i Yaveh: 2"Mitaria fagnisam-bahoaky amin'gne lehilahin'Israely agnaby isan'antokony, ao ame fianakavian-draindreo. Isao ame agnarany indreo. Isao gne lahy agnaby, gne lehilahy tsiraidraiky aby 3izay roapolo tao na mihoatry. Isao aby ze afaky miady ho miaramila ho an'i Israely. Aoka ho raketinao sy Arona an-tsoratry gne isan'gne lehilahy ame vondrondreo mitam-piadiana.4Lelahy raiky avy ame foko tsirairay avy, lohan'antoko raiky, gne aoka hanompo miaraky aminao ho mpitari-pokony. Gne mpitariky tsiraidraiky aby da tsy maintsy mitarika gne lehilahy izay hiady ho an'gne fokony. 5Itoa gne agnaran'gne mpitariky izay tsy maintsy miady miaraky aminao: Avy ame fokon'i Robena, Elizora zanak'i Sedeora; 6avy ame fokon'i Simeona, Selomiela zanak'i Zorisaday;7avy ame fokon'i Joda, Nasona zanak'i Aminadaba;8avy ame fokon'i Isakara, Netanela zanak'i Zoara;9avy ame fokon'i Zebolona, Eliaba zanak'i Helona;10avy ame fokon'i Efraima zanak'i Josefa, Elisama zanak'i Ahimoda; avy ame fokon'i Manase, Gamaliela zanak'i Pedazora;11avy ame fokon'i Benjamina, Abidana zanak'i Gideony;12avy ame fokon'i Dana, Ahiezera zanak'i Amisaday;13avy ame fokon'i Asera, Fagiela zanak'i Okrana;14avy ame fokon'i Gada, Eliasafa zanak'i Doela;15ary avy ame fokon'i Naftaly, Ahira zanak'i Enana."Ireo gne lehilahy voatondro teo ame olona. Nitariky gne fokon'gne razambeny indreo. Indreo gne mpitariky ireo antoko tao Israely.17Nalain'i Mosesy sy Arona ireo lehilahy ireo, izay notanany an-tsoratry araky gne agnara, 18ary niaraky tamin'ireo lehilahy ireo da nalagnondreo gne lehilahy agnaby tamin'Israely tame andro voalohan'gne vola faharoa. Ary gne lehilahy roapolo tao na mihoatry tsiraidraiky aby da namantatry gne razambeny. Tsy maintsy nagnome agnara gne antoko sy fianakavia taranaky avy ame razambeny izy. 19Da notanan'i Mosesy an-tsoratry gne isandreo tagny an-tany efitr'i Sinay, araky gne nandidian'i Yaveh hataony.20Nisaigny gne agnaran'gne lehilahy agnaby izay roapolo tao na mihoatry afaky mandeha miady avy ame taranak'i Robena, lahimatoan'i Israely, avy ame firaketa an-tsoratry gne antokon'gne razambeny sy gne fianakaviandreo.21Niisa 46.500 lahy indreo avy ame fokon'i Robena.22Nisay gne agnaran'gne lehilahy agnaby izay roapolo tao na mihoatry afaky mandeha miady avy ame taranak'i Simeona, avy ame firaketa an-tsoratry gne antokon'gne razambeny sy gne fianakaviandreo.23Niisa 59.300 lahy indreo avy ame fokon'i Simeona.24Nisay gne agnaran'gne lehilahy agnaby izay roapolo tao na mihoatry afaky mandeha miady avy ame taranak'i Gada, avy ame firaketa an-tsoratry gne antokon'gne razambeny sy gne fianakaviandreo. 25Niisa 45.650 lahy indreo avy ame fokon'i Gada.26Nisay gne agnaran'gne lehilahy agnaby izay roapolo tao na mihoatry afaky mandeha miady avy ame taranak'i Joda, avy ame firaketa an-tsoratry gne antokon'gne razambeny sy gne fianakaviandreo.27Niisa enin-jato amby efatry arivo sy fito alina lahy indreo avy ame fokon'i Joda.28Nisay gne agnaran'gne lehilahy agnaby izay roapolo tao na mihoatry afaky mandeha miady avy amin'gne taranak'i Isakara, avy ame firaketa an-tsoratry gne antokon'gne razambeny sy gne fianakaviandreo.29Niisa efa-jato amby efatry arivo sy dimy alina lahy indreo avy ame fokon'i Isakara.30Nisay gne agnaran'gne lehilahy agnaby izay roapolo tao na mihoatry afaky mandeha miady avy ame taranak'i Zebolona, avy ame firaketa an-tsoratry gne antokon'gne razambeny sy gne fianakaviandreo.31Niisa efa-jato amby fito arivo sy dimy alina lahy indreo avy ame fokon'i Zebolona.32Nisay gne agnaran'gne lehilahy agnaby izay roapolo tao na mihoatry afaky mandeha miady avy ame taranak'i Efraima, avy ame firaketa an-tsoratry gne fianakaviam-ben'gne razambeny sy gne fianakavian'indreo.33Niisa diman-jato amby efatry aly lahy indreo avy ame fokon'i Efraima.34Nisay gne agnaran'gne lehilahy agnaby izay roapolo tao na mihoatry afaky mandeha miady avy ame taranak'i Manase, avy ame firaketa an-tsoratry antokon'gne razambeny sy gne fianakaviandreo.35Niisa roan-jato amby roy arivo sy telo aly lahy indreo avy ame fokon'i Manase.36Nisay gne agnaran'gne lehilahy agnaby izay roapolo tao na mihoatry afaky mandeha an'ady avy ame taranak'i Benjamina, avy ame firaketa an-tsoratry gne antokon'gne razambeny sy gne fianakaviandreo.37Niisa efa-jato amby dimy arivo sy telo aly lahy indreo avy ame fokon'i Benjamina.38Nisay gne agnaran'gne lehilahy agnaby izay roapolo tao na mihoatry afaky mandeha miady avy ame taranak'i Dana, avy ame firaketa an-tsoratry gne antokon'gne razambeny sy gne fianakaviandreo.39Niisa 62.700 lahy indreo avy ame fokon'i Dana.40Nisay gne agnaran'gne lehilahy agnaby izay roapolo tao na mihoatry afaky mandeha miady agnaby avy ame taranak'i Asera, avy ame firaketa an-tsoratra gne antokon'gne razambeny sy gne fianakaviandreo.41Niisa 41.500 lahy indreo avy ame fokon'i Asera.42Nisay gne agnaran'gne lehilahy agnaby izay roapolo tao na mihoatry afaky mandeha miady agnaby avy ame taranak'i Naftaly, avy ame firaketa an-tsoratry antokon'gne razambeny sy gne fianakaviandreo.43Niisa 53.400 lahy indreo avy ame fokon'i Naftaly.44Niara-nagnisa gne lehilahy agnaby ireo, niaraky tame lehilahy roa amby folo izay nitariky gne foko roa amby folon'i Israely i Mosesy sy Arona.45Ka ireo lehilahin'Israely roapolo tao na mihoatry agnaby, ireo afaky miady agny an'ady, da nisay tsiraidraiky tame fianakavindreo.46Niisa 603.550 lahy indreo.47Fa tsy nisay gne lehilahy izay taranak'i Levy, 48satria nizaka tamin'i Mosesy i Yaveh hoe: 49''Tsy mahazo magnisa gne fokon'i Levy enao na mampiditra anazy ame tamba-ben'gne vahoakan'i Israely.50Fa kosa, tendreo ireo Levita hitandrigny tabernakelin'gne didim-paneke, sy hikarakara gne fanaky agnaby ao ame tabernakely sy gne raha agnaby ao amin'izany. Aoka hilanja gne tabernakely gne Levita, ary aoka hinday gne fanaky gne tabernakely indreo. Aoka hikarakara gne tabernakely sy hitoby magnodidy izany indreo.51Refa mila afindra ho ame toitry hafa gne tabernakely, da aoka hangala izany gne Levita. Refa tokony hapetraky gne tabernakely, da aoka hametraky izany gne Levita. Izay olon-kafa magnato gne tabernakely da tsy maintsy ho faty.52Refa mametraky gne lainy gne vahoakan'Israely, da aoka hanao izany marikitry gne faneva izay an'gne vondrogny mitam-piadia gne lehilahy tsiraidraiky aby.53Na izany aza, aoka hametraky gne lainy magnodidy gne tabernakelin'gne didim-panekena gne Levita mba tsy ho tonga ame vahoakan'gne Israely gne fahavignirako. Aoka tsy hikarakara gne tabernakelin'gne lalàn'gne fanekem-pihavana gne Levita." 54Nagnano izany raha agnaby izany gne vahoakan'Israely. Nanìndreo izay nandidian'i Yaveh agnaby tame alalan'i Mosesy.
1Niresaky tamin'i Mosesy sy Arona indraiky i Yaveh. Hoy Izy hoe: 2"Ireo Israelita tsiraidraiky aby da tsy maintsy mitoby magnodidy gne vondrony aby, miaraky amin'gne fanevan'gne ankohonan-draindreo. Hitoby magnodidy gne lafin'gne tragno-lay fihaogna agnaby indreo.3Ireo hitoby egny antsignanan'gne tragno-lay fihaogna, izay hibodagnan'gne masoandro, da indreo gne tobin'i Joda ary mitoby araky gne vondrony indreo.Nasona zanaky lahin'i Aminadaba gne mpitariky gne vahoakan'i Joda. 4 Gne isan'gne vahoakan'i Joda da 74.600.5Gne fokon'Isakara da tsy maintsy mitoby eo akaikin'i Joda. Netanela zanaky lahin'i Zoara da tsy maintsy mitariky gne tafik'Isakara. 6 Lehilahy 54.400 gne tao ame fizarany.7Gne fokon'i Zebolona da tsy maintsy mitoby eo agnilan'Isakara. Eliaba zanaka lahin'i Helona gne tsy maintsy mitariky gne tafik'i Zebolona. 8Miisa 57.400 gne ao ame fizarany.9Miisa 186.400 gne isan'gne tobin'i Joda agnaby. Indreo gne handeha voalohany.10Agny ame ilany atsimo gne hisy gne tobin'i Robena araky gne vondrony. Gne mpitariky gne tobin'i Robena da Elizora zanaky lahin'i Sedera. 11Miisa 46.500 gne ao amy fizarany.12 Mitoby eo agnilan'i Robena i Simeona. Gne mpitariky gne vahoakan'i Simeona da i Selomiela zanaky lahin'i Zorisaday. 13 Niisa 59.300 gne tao ame fizarandreo.14 Gne fokon'i Gada da teo akaiky teo. Gne mpitariky gne vahoakan'Andriamanitra da i Eliasafa zanaky lahin'i Roela. 15 Miisa 45.650 gne ao ame fizarany.16Miisa 151.450 izy agnaby mitoby ao amin'i Robena araky gne fizarany aby. Indreo da hiainga faharoy.17Magnaraky izany, gne tragno-lay fihaogna da tsy maintsy mivoaky gne toby miaraky amin'gne Levita eo afovoan'gne toby agnaby. Tokony hivoaky gne toby araky gne filahara nidirandreo tao ame toby indreo. Gne lehilahy agnaby da tokony ho eo ame toerany avy, araky gne fanevany.18Gne fizaran'gne tobin'i Efraima da eo ambanin'gne vondrondreo. Gne mpitariky gne vahoakan'i Efraima da i Elisama zanaky lahin'i Amihoda. 19Miisa 40.500 gne ao ame fizarany.20Eo agnilandreo gne hisy gne fokon'i Manase. Gne mpitariky an'i Manase da i Gamaliela zanaky lahin'i Pedazora. 21Miisa 32.200 gne ao ame fizarany.22 Eo agnilany gne misy gne fokon'i Benjamina. Gne mpitarik'i Benjamina da Abidana zanaky lahin'i Gideony. 23Miisa 35.400 gne ao ame fizarany.24Miisa 108.100 izy agnaby mitoby ao Efraima. Indreo gne handeha fahatelo.25Agny avaratry gne hisy gne fizaran'gne tobin'i Dana. Gne mpitariky gne vahoakan'i Dana da i Ahiezera zanaky lahin'i Amisaday. 26Miisa 62.700 gne ao ame fizarany.27Gne vahoakangne fokon'i Asera da nitoby teo agnilan'i Dana. Gne mpitariky gne vahoakan'i Asera da i Pagiela zanaky lahin'i Okrana.28 Miisa 41.500 gne ao ame fizarany.29Teo agnilany gne fokon'i Naftaly. Gne mpitariky an'i Naftaly da i Asira zanaky lahin'i Enana. 30Miisa 53.400 gne ao ame fizarany.31Miisa 157.600 izy agnaby nitoby niaraky tamin'i Dana. Indreo gne hiainga ao ame toby farany, eo ambanin'gne fanevandreo.32Ireo gne isan'gne Israelita araky gne fianakaviandreo. Izy agnaby voaisa tao ame tobindreo, araky gne fizarandreo da 603.550. 33Fa Mosesy sy Arona da tsy nagnisa gne Levita tao ame vahoakan'Israely. Izany da araky gne efa nandidian'i Yaveh an'i Mosesy.34Gne vahoakan'Israely da nagnano izay agnaby nandidian'i Yaveh an'i Mosesy. Nitoby araky gne fanevany indreo. Nivoaky gne toby araky gne fokony indreo, araky gne filaharan'gne fianakavian'gne razambeny.
1Ary izao gne tantaran'gne taranak'i Arona sy Mosesy refa nizaka tamin'i Mosesy tagny ame tendrombohitry Sinay i Yaveh. 2Gne anaran'gne zanaky lahin'i Arona da i Nadaba lahimatoa, sy Abiho, Eleazara, ary Itamara.3Ireo gne agnaran'gne zanaky lahin'i Arona, gne mpisorona izay voahosotry sy voatoka hanompo ho mpisorona. 4Fa Nadaba sy Abiho kosa lavo maty teo agnatrehan'i Yaveh refa nanolotry Azy afo tsy azo eke tagny ame efitr'i Sinay indreo. Tsy nanan-janaky i Nadaba sy Abiho, ka da Eleazara sy Itamara evao gne nanompo ho mpisorona niaraky tamin'i Arona raindreo.5Nizaka tamin'i Mosesy i Yaveh. Hoy izy: 6"Entoa gne fokon'i Levy ka aboahy amin'i Arona mpisorona indreo mba hagnampy anazy.7Aoka hagnano gne adidy ame anjaran'i Arona sy gne fivondrona agnaby eo agnoloan'gne tragno-lay fihaogna indreo. Aoka indreo hanompo ao amr tabernakely. 8Aoka hikarakara gne fanaky agnaby ao ame tragno-lay fihaogna indreo, ary hanovagny gne fokon'Israely hambiatry gne asa fanompo gne tabernakely.9Aoka hatolotrinao an'i Arona sy gne zanany lahy gne Levita. Atolotry agnaby indreo mba hagnampy anazy hanompo gne vahoakan'Israely. 10Tsy maintsy tendrenao ho mpisorona i Arona sy gne zanany lahy, fa izay olo hafa firenena tonga magnakaiky da tsy maintsy vonoina ho faty."11Nizaka tamin'i Mosesy i Yaveh. Hoy Izy hoe: 12"Indro, efa nangala ireo Levita avy tamin'ireo vahoakan'Israely Aho. Izany gne nanìko raha tokony nangala gne lahimatoa tsiraidraiky izay teraky tame vahoakan'Israely. Anahy gne Levita. 13Anahy gne voalohan-teraky agnaby. Tame andro namelezako gne lahimatoa agnaby tagny ame tany Egypta, gne nanokanako ho Anahy gne voalohan-terak'Israely agnaby, na gne vahoaky na na gne biby fiompy. Anahy ireo. Iaho gne Yaveh."14Nizaka tamin'i Mosesy tagny an'efitr'i Sinay i Yaveh. Hoy Izy hoe: 15"Isao isaky gne ankohonana gne taranak'i Levy, isaky gne ankohonan'gne razambendreo. Isao gne lehilahy agnaby izay ray vola no ho miakatry." 16Nagnisa andreo i Mosesy, araka gne zakan'i Yaveh, araky gne nandidia anazy ho atao.17Gne agnaran'gne zanaka lahin'i Levy da Gersona, Kohata, ary Merary.18 Gne fianakaviam-be avy amin'gne zanaka lahin'i Gersona da Libny sy Simey.19 Gne fianakaviam-be avy amin'gne zanaka lahin'i Kohata da Amrama, Izara, Hebrona, Ary Oziela. 20Gne fianakaviam-be avy amin'gne zanaky lahin'i Merary da Maly sy Mosy. Ireo gne fianakaviam-ben'gne Levita, izay nalahatry araky gne fianakaviany avy.21Ireo fianakaviam-ben'gne Libnita sy gne Simeita da avy amin'i Gersona. Ireo aby gne fianakaviamben'gne Gersonita. 22Gne lahy agnaby manombokyvola raiky no ho miakatry da nisaina, niisa 7.500. 23Gne fianakaviam-ben'gne Gersonita da hitoby eo ame ilany andrefan'gne tabernakely.24Eliasafa zanaky lahin'i Laela gne tsy maintsy hitariky ireo fianakaviam-ben'gne taranaky gne Gersonita. 25Gne fianakavian'i Gersona da tsy maintsy mikarakara gne tragno-lay fihaogna ka ao agnatin'izany gne tabernakely. Hikarakara gne tragno-lay indreo, gne firakony, sy gne lamba ampiasay ame fidira ao ame tragno-lay fihaogna. 26Tsy maintsy mikarakara gne lamban-kianja indreo, gne lamba eo ame fidiran'gne kianja—gne kianja izay mihodidy gne fitoera masy sy gne alitara. Aoka hikarakara ireo tadin'gne tragno-lay fihaogna sy izay ao agnatiny indreo.27Avy amin'i Kohata gne fianakaviam-be ireo: fianakavian'gne Amramita, gne fianakavian'gne Izarita, gne fianakavian'gne Hebronita, ary gne fianakavian'gne Ozielita. 28An'ireo Kohatita gne fianakaviam-be ireo. 8.600 lahy vola raiky no ho miakatry no efa voaisa mba hikarakara gne fanagnan'i Yaveh. 29Ireo fianakavian'gne taranak'i Kohata da tsy maintsy mitoby mianatsimon'gne tabernakely.30Elifaza zanaky lahin'i Oziela gne tsy maintsy hitariky gne fianakaviam-ben'ireo Kohatita.31 Indreo gne tsy maintsy mikarakara gne fiara, gne latabatra, gne fidibohan-jiro, gne alitara, gne zava-masina izay ampiasay ame fanompoany, gne lamba, ary izay asa agnaby mahakasiky izany.32 Eleazara zanaky lahin'i Arona mpisorona gne tsy maintsy hitariky gne lehilahy izay mitariky gne Levita. Tokony hagnara-maso gne lehilahy izay mikarakara gne fitoera masina izy.33Fianakaviam-be roy gne avy amin'i Merary: gne fianakavian'gne Malita sy gne fianakavian'gne Mosita. Ireo fianakaviambe ireo da avy amin'i Merary.34 6.200 lahy vola raiky no ho miakatry no efa voaisa. 35 Zoriela zanaky lahin'i Abihaila gne tsy maintsy hitariky gne fianakaviamben'i Merary. Tsy maintsy mitoby miagnavaratry gne tabernakely indreo.36Gne taranak'i Merary da tokony hikarakara gne rafitry gne tabernakely, gne barany, tsanganana, faladiany, gne fitaova agnaby, sy izay agnaby mahakasiky ireo, ao agnatin'izany 37ireo andry sy tsanganan'gne kianja izay mihodidy gne tabernakely, miaraky ame faladian'ireo, fihantognan-draha, sy tady.38Mosesy sy Arona ary ireo zanaka lahindreo da tsy maintsy hitoby miatsinanan'gne tabernakely, eo akatrefan'gne tragno-lay fihaogna, tandrifin'gne fibohan'gne masoandro. Indreo gne tompon'andraikitry ho an'gne fagnamboara gne adidy ame fitoera masina sy ireo adidy ame vahoakan'Israely. Ndre ia ndre ia olo hafa firenena magnato gne fitoera masina da tsy maintsy ho faty. 39Mosesy sy Arona nagnisa gne lahy agnaby tame fianakaviam-ben'i Levy izay vola raiky no ho miakatry, araky izay nandidian'i Yaveh. Niisa roy arivo sy roy aly indreo.40Hoy Yaveh tamin'i Mosesy: "Isao gne voalohan-teraky ny vahoakan'Israely rehetra izay vola raiky no ho miakatry. Raiso gne agnarandreo. 41Aoka halainao ho Anahy gne Levita—Iaho Yaveh— ho solon'gne voalohan-teraky gne vahoakan'Israely, sy gne biby fiompin'gne Levita ho solon'gne voalohan-teraky gne biby fiompin'gne taranak'Israely."42Mosesy nagnisa gne voalohan-teraky gne vahoakan'Israely agnaby araky izay efa nandidian'i Yaveh azy hatao. 43Nanisa gne lahimatoa agnaby araky gne agnara izy, vola no ho miakatra. Nahavoaisa 22.273 lahy izy.44Nizaka tamin'i Mosesy indraiky Yaveh. Hoy Izy hoe: 45"Alaivo gne Levita ho solon'gne voalohan-teraka ame vahoakan'Israely, ary alaivo gne biby fiompin'ireo Levita ho solon'gne biby fiompin'gne vahoaka. Anahy gne Levita— Iaho gne Yaveh.46Mandagnona sekely dimy ho an'gne fagnavota isan'olo amin'gne voalohan-teraky vahoakan'Israely izay mihoatra gne isan'gne Levita. 47Ampiasao araka gne fenitry gne lanjanao gne sekelin'gne fitoera masina. Gera roapolo gne sekely. 48Homenao an'i Arona sy gne zanany lahy gne vidim-pagnavota izay naloanao." 49Ka da nandagno gne vidin'gne fagnavota avy tamin'gne izay nihoatra isa tamin'gne navotan'ireo Levita i Mosesy. 50Nandagno gne vola avy tame voalohan-teraky gne vahoakan'Israely i Mosesy. Nahangona sekely 1.365 izy, nolanjay tame sekelin'gne fitoerana masina. 51Mosesy nagnome gne volam-pagnavota ho an'i Arona sy gne zanany lahy. Mosesy nagnano izay nampamboariny gne zakàn'i Yaveh naniny, araky izay efa nandidian'i Yaveh azy.
1Niresaky tamin'i Mosesy sy Arona i Yaveh. Hoy Izy hoe: 2"Mamboara fagnisa an'gne lehilahin'gne taranak'i Kehata eo amin'gne Levita, araky gne fokondreo sy gne razamben'gne ankohonandreo. 3Isao gne lehilahy agnaby izay telopolo hatrame dimampolo tao. Ireo lehilahy ireo da tsy maintsy magnatevin-dahara gne antoko mba hanompo ao ame tragno-lay fihaogna. 4Ireo taranak'i Kehata da tsy maintsy mikarakara gne raha masina indrindra natoka ho Anahy ao ame trano-lay fihaogna.5Refa miomagny hifindra toitry gne toby, da tsy maintsy miditr ao ame lay i Arona sy gne zanany lahy, magnajotso lamba fanakofa izay manaraky gne toera masina indrindra ame toera masina ary mandrakotry gne fiaran'gne vavolombelona miaraky amin'izany. 6Tsy maintsy mandrakotry ilay fiara ame hodi-takasy indreo.Tsy maintsy mamelatry lamba manga eo ambonin'izany indreo. Tsy maintsy apetakiny gne bao mba hilanjà izany.7Tsy maintsy mamelatry lamba manga eo ambonin'gne latabatry gne mofon'gne fagnatreha indreo. Indreo da tsy maintsy mametraky gne lovia, gne sotro, gne lovia boribory, ary siny fandraraha eo ambonin'izany. Tsy maintsy misy mofo fejay eo ambonin'gne latabatry. 8Tsy maintsy lombofandreo ame lamba jaky sy ame hodi-takasy ireo. Tsy maintsy apetakindreo gne bao mba hilanjà gne latabatry.9Tsy maintsy mangala lamba manga indreo ary mandrakotry gne fidobohan-jiro, miaraky ame fanilon'izany, gne hety, gne toitriny gne lakevo, ary gne fagnisia menaky agnaby ho an'gne fanilo. 10Tsy maintsy apetrakindreo ao agnatin'gne fandrakofa vita ame hodi-takasy gne fanaovan-jiro sy gne fitaova agnaby miaraky amin'izany, ary tsy maintsy apetrakindreo eo ambonin'gne rafitry filanjà izany. 11Tsy maintsy mamelatry lamba manga eo ambonin'gne alitara volamena indreo. Tsy maintsy mandrakotry izany ame fandrakofa vita ame hodi-takasy indreo, ary avy eo mametaky gne bao filanjà.12Tsy maintsy mangala gne fitaova hiasa agnaby agny ame toera masina indreo ary mamono izany ao agnatin'gne lamba manga. Tsy maintsy mandrakotry izany ame hodi-takasy indreo ary mametraky gne fitaovam-piasa eo ame rafitry filanja.13 Tsy maintsy mangala gne lakevo ame alitara indreo ary mamelatry lamba voloparasy eo amin'gne alitara. 14Tsy maintsy apetrakindreo gne rafitry filanjà gne fitaovam-piasa agnaby izay ampiasaindreo ame asan'gne alitara. Ireo fitaova ireo da gne fitondrana afo, fitreby, lapelina, lovia famafaza, ary gne fitaovam-piasa hafa agnaby ho an'gne alitara. Tsy maintsy mandrakotry gne alitara ame hodi-takasy indreo ary ary avy eo mametaky gne bao filanjà.15Refa avy nandrakotry agnaby gne toera masina sy gne fitaovam-piasa agnaby niaraky tamin'izany i Arona sy gne zanany lahy, ary refa mifindra toitry gne toby, da tsy maintsy magnato mba hilanja gne toitry masina gne taranak'i Kehata. Raha mikasiky gne fitaova masina indreo, da tsy maintsy maty. Izao gne asan'gne taranak'i Kehata, da gne milanja gne fanaky ao ame tragno-lay fihaogna. 16Eleazara zanaka lahin'i Arona mpisorona gne magnara-maso gne fikarakara gne soliky ho an'gne fagnilo, gne ditin-kazo magnitry, gne fagnatitry voa mahazatry, ary gne menaky fagnosotry. Magnara-maso gne fikarakara gne tabernakely agnaby sy izay ao agnatin'izany agnaby izy, da ilay toera masina sy gne fitaovam-piasa agnaby miaraky amin'izany.''17Niresaky tamin'i Mosesy sy Arona i Yaveh. Hoy Izy hoe: 18"Aza avela ho alà eo amin'gne Levita gne fokon'gne fianakaviamben'gne Kehatita. 19Arovy indreo, mba ho velo fa tsy ho faty, ame alalan'gne fagnambora izao. Refa magnato gne raha masina indrindra indreo 20da tsy tokony hiditry mba hagnety gne toera masina ndre da fotoa kely aza, sao ho faty indreo. Arona sy ireo zanany lahy gne tsy maintsy miditry ao, ary avy eo Arona sy gne zanany lahy da tsy maintsy manendry gne tsiraidraiky amin'gne Kehatita ame asany avy, ame andraikitriny manoka."21Niresaky tamin'i Mosesy indraiky i Yaveh. Hoy Izy hoe: 22"Mambora evao koa fagnisa an'gne taranak'i Gersona, araky gne ankohonan'gne razambendreo, araky fokondreo. 23Isao gne izay telopolo hatramin'gne dimampolo tao. Isao agnaby izay hagnatevin-dahara gne antoko mba hanompo ao ame trano-lay fihaogna.24Izao gne asan'gne fokon'gne Gersonita, refa manompo indreo ary minday enta. 25Tsy maintsy minday gne lamba fandrakofa gne tabernakely, gne tragno-lay fihaogna, gne fandrakofa izany, gne fandrakofa vita ame hodi-takasy izay eo amin'izany, ary gne lamba fandrakofa gne fidira ao ame tragno-lay fihaogna indreo.26 Tsy maintsy minday gne lamba fanakofa fitsarà indreo, gne lamba fanakofa gne vavahadin'gne fitsarà, izay eo marikitrin'gne tabernakely sy marikiktry gne alitara, gne tadin'ireo, ary gne fitaova agnaby ho an'gne fanompoandreo. Izay tokony ho vita amin'ireo raha agnaby ireo, da tsy maintsy anìndreo.27 Arona sy gne zanany lahy da tsy maintsy magnabara gne asan'gne taranak'gne Gersonita agnaby, amin'izay indesindreo agnaby ireo, ary ame fanompoandreo agnaby. Tsy maintsy tendrenareo ame andraikiny agnaby izy. 28Izany gne fanompoan'gne fokon'gne taranaky gne Gersonita ho an'gne trano-lay fihaogna. Itamara zanaka lahin'i Arona mpisorona da tsy maintsy mitariky andreo ame fanompoany.29Tsy maintsy magnisa ireo taranak'i Merary araky gne fokondreo enareo, ary mandahatry andreo araky gne ankohonan'gne razambendreo,30 manomboky amr telopolo tao no ho mihoatry ka hatramin'gne dimampolo taona.Isao indreo agnaby izay handeha hanatevin-dahara gne antoko sy hanompo ao ame tragno-lay fihaogna.31Izao gne andraikitrindreo sy gne asandreo ame fanompoan'izy agnaby ho an'gne tragno-lay fihaogna. Tsy maintsy mikarakara gne entan'gne tabernakely, gne hidin'izany, gne andry, ary gne faladia, 32miaraky amin'gne andrin'gne fitsarà magnodidy gne tabernakely, gne faladian'ireo, gne tsatokany, ary gne tadiny, miaraky amin'gne fitaovany agnaby indreo. Soraty araky gne agnara gne fanaky izay tsy maintsy indesindreo.33Izao gne asan'gne fokon'gne taranak'i Merary, izay anindreo ho an'gne tragno-lay fihaogna, eo ambany fitarihan'Itamara zanaka lahin'i Arona mpisorona."34Mosesy sy Arona ary gne mpitariky gne fivondrona gne nagnisa gne taranak'i Kehatita araky gne fokon'gne razambendreo. 35 Nisaindreo manomboky ame telopolo ka hatramin'gne dimampolo tao indreo. Nagnisa izay hagnatevin-dahara antoko mba hanompo ao ame tragno-lay fihaogna indreo. 36 Olona 2.750 gne voaisandreo araky gne fokony.37Mosesy sy Arona da nagnisa gne olo agnaby tao amin'gne foko sy ireo fianakavian'ireo Kehatita izay manompo ao ame tragno-lay fihaogna. Tame famboara izany, da nagnaraky izay nodidian'i Yaveh ho anìndreo tame alalan'i Mosesy indreo.38Gne taranak'i Gersona da nisay tao ame fokondreo, araka ny ankohonan'ny fianakaviandreo, 39manomboka ame telopolo ka hatrame dimampolo tao, izay agnaby manomboky ame telopolo ka hatramin'gne dimampolo tao, izay agnaby hiditry ao ame antoko mba hanompo ao ame tragno-lay fihaogna. 40Gne olo agnaby, da nisay araky gne fokondreo sy gne ankohonan'gne razambendreo aby, 2.630 isa.41Mosesy sy Arona da nagnisa gne fokon'gne taranak'i Gersona izay hanompo ao ame tragno-lay fihaogna. Tame fambora izany, da nagnaraky izay nodidian'i Yaveh ho ataondreo ame alalan'i Mosesy indreo.42Ireo taranak'i Merary da nisay tao ame fokondreo araky gne ankohonan'gne razambendreo, 43manomboky ame telopolo ka hatramingne dimampolo tao, izay rehetra hiditra ao ame antoko mba hanompo ao ame tragno-lay fihaogna.44 Gne olo agnaby, da nisay araky gne fokondreo sy gne ankohonan'gne razambendreo avy, 3.200 isa.45Nanisa ireo olo agnaby ireo i Arona sy Mosesy, da gne taranak'i Merary. Tame fambora izany, da nagnaraky izay nodidian'i Yaveh ho ataondreo tame alalan'i Mosesy indreo.46Koa nanisa gne Levita agnaby araky gne fokondreo tao ame fianakavian'gne razambeny 47nanomboka tame telopolo ka hatrame dimampolo tao i Mosesy, Arona, ary gne mpitarik'Israely. Nisaindreo izay agnaby hiasa ao ame tabernakely, sy izay hitondra ary hikarakara gne fanaky ao ame tragno-lay fihaogna.48 Olo 8.580 gne voaisandreo.49Araka gne didin'i Yaveh, da nagnisa gne olo tsiraidraiky i Mosesy, araky gne karazan'asa izay nanendre anazy aby. Nagnisa gne olo tsirairay araky gne karazan'andraikitra nendreketany aby izy. Tame fambora izany, da nagnaraky izay nodidian'i Yaveh ho anindreo tame alalan'i Mosesy indreo.
1Yaveh niresaky tamin'i Mosesy. Hoy Izy hoe: 2"Didio gne vahoakan'Israely mba handroaky gne misy aretin-koditry agnaby hiala ao ame toby, ary izay misy fery mitsika agnaby, ary izay maloto tame fikasiha faty agnaby. 3Na lehilahy na viavy, da aoka halefanao hiala ao ame toby indreo. Aoka tsy handoto gne toby indreo, satria ao gne mitoboky Iaho." 4Da nagnano izany vahoakan'Israely. Da nalefandreo hiala tao ame toby indreo, araky gne nandidian'i Yaveh an'i Mosesy. Da nagnaraky an'i Yaveh gne vahoakan'gne Israely.5Niresaky tamin'i Mosesy indraiky Yaveh. Hoy Izy: 6"Miresaha ame vahoakan'Israely. Refa magnano fahota gne lehilahy na gne viavy akô gne ifanaovan'gne olo, ary tsy mahatoky aminaha, da meloky izany olo izany. 7Ary tsy maintsy miaiky gne fahota izay efa vitany izy. Tsy maintsy honerany agnaby gne vidin-kelokiny ary hanovagny indimy mihoatry ame vidiny.Tsy maintsy hagnome izany ame raiky izay nagnamboarany gne tsy mety izy.8Fa raha tsy mana hava hakaiky mba handray gne onitry ilay niharan'gne tsy mety, da tsy maintsy honerany amiko ame alalan'gne mpisorona gne vidin-kelony, miaraky ame ondry raiky ho fagnavota gne tegnany. 9Gne fagnatitry gne vahoakan'Israely agnaby, ireo raha izay natoka sy nindesy tagny ame mpisorona avy ame vahoakan'Israely, da ho anazy avokoa. 10Ireo fagnatitry gne olo agnaby da ho an'gne mpisorona; raha misy magnome raha hovan'gne mpisorona, da ho anazy izany."11Da niresaka tamin'i Mosesy indraiky i Yaveh. Hoy Izy: 12"Niresaky ame voahoakan'Israely. Lazao indreo hoe: 'Raiso hoe mivadiky gne vadin-dralehilahy ary manota ame vadiny.13Ary raiso hoe misy lehilahy hafa miara-mandry aminazy. Amin'izany, da voaloto izy. Ndre da tsy hitan'gne vadiny aza izany na fatany gne momba izany, ary ndre da tsy misy ndre raiky aza mahatratra anazy eo am-pamboara izany ary tsy misy ndre raiky aza mijoro vavolombelona miampanga anazy, 14ndre da izany aza, gne fanahin'gne hasarotam-piaro da mampahafantatry hatrany ame lahy fa voaloto gne vadiny. Kanefa, gne fanahin'gne hasarotam-piaro da ho avy handainga amin'ilay lehilahy refa tsy voaloto gne vadiny.15 Ame tranga akô izany, ilay lehilahy da tokony hinday gne vadiny ho agny ame mpisorona. Tsy maintsy mitondra fagnatitry sotroy ho anazy gne vadiny. Tsy maintsy hinday kobam-bary ampahafolon'gne efaha izy. Tsy mahazo mandraraky menaky na ditin-kazo magnitry amin'izany izy satria fagnatitry varin'gne hasarotam-piaro izany, fagnatitry hohany ho famantara mety ho fisian'gne fahota.16Aoka hinday anazy akaiky ary hametraky anazy eo ankatrefan'i Yaveh gne mpisorona. 17Aoka hangala sinin-drano voahasina ary hangala vovoky avy ame tanin'gne tabernakely gne mpisorona. Aoka hagnisy gne vovoky ao agnatin'gne rano izy.18Gne mpisorona hametraky ilay vehivavy eo ankatrefan'Andriamanitra ary hamaha gne volo eo an-dohan'ilay vehivavy. Hapetakiny eo ame tagnany gne fagnatitry voa fahatsiarovana, izay fagnatitry voan'gne ahiahy. Hitazogny mafy gne rano mangidy izay mety hinday ozona ame tagnany gne mpisorona. 19 Hametraky gne viavy ho ambanin'gne fianianana gne mpisorona ary hilaza aminazy hoe: "Raha mbola tsy nisy lehilahy hafa nagnano firaisa ara-nofo taminao, ary raha tsy naniasia sy nagnano fahalotoa, da afaky amin'ity rano mafaitry izay mety hinday ozogny ity.20Fa raha enao, izay viavy voafatotry gne vadiny, gne efa naniasia, ary raha voaloto enao, ary raha nisy lehilahy hafa niara-nandry taminao, 21da, (tsy maintsy gne mpisorona gne mampanao fianiana izay afaky minday gne ozona aminazy amin'gne vehivavy, ary da tsy maintsy hanoy resaky amin'gne viavy izy) Yaveh hagnano anao agnaty ozona izay haseho ame vahoakanao ho toy izany. Da hiboaky izany raha anìn'i Yaveh mihalò gne tsobenao ary mivonto gne kibonao. 22Ity rano izay minday ozona ity da hiditry ao ame vavoninao ary hampivonto gne kibonao ary harary gne tsobenao.' Da aoka hamaly raviavy hoe: "Eny, avelao hiboaky izany raha meloky iaho.'23Aoka hanoratry ireto ozona ireto ao ame horonan-taratasy gne mpisorona, ary aoka hodioviny ao ame rano mangidy gne ozona voasoratry.24Aoka hampisotro gne rano mangidy izay mitondra ozona ho an'gne viavy gne mpisorona. Ilay rano izay minday ozona da hiditra ao aminazy ary hanjary hangidy. 25Aoka hangala fagnatitry voan'gne hasarotam-piaro ame tanan'gne vehivavy izy. Aoka hitazogny fagnatitry voa eo agnatrehan'i Yaveh ary hinday izany eo ame alitara izy. 26Aoka hangala fagnatitry voa eran'gne tagna ho fagnatitry fagnaboaha gne mpisorona, ary handoro izany eo ame alitara. Da aoka homeny gne viavy gne rano tena mangidy mba ho sotroy.27 Refa omeny anazy gne rano ho sotroy, raha voaloto satria efa nanota tame vadiny izy, da hiditra aminazy gne rano izay mitondra ozona ary lasa hangidy. Hivonto gne kibony ary harary gne tsobeny. Ho voaozona eo ame olony ilay viavy.28 Fa raha tsy voaloto kosa gne viavy ary raha madio izy, da tsy maintsy ho afahana. Ary afaky hanagny anaky izy.29Izany gne lalàn'gne hasarotam-piaro. Izany gne lalà ho an'gne viavy izay mania ame vadiny ary voaloto. 30Izany gne lalà ho an'gne lehilahy mana gne fanahin'gne hasarotam-piaro refa saro-piaro ame vadiny izy. Aokaizy hinday gne viavy eo agnatrehan'i Yaveh, ary aoka gne mpisorona hagnano aminazy izay voafaritr'io lalànan'gne hasarotam-piaro io agnaby.31 Ary da ho afaky ame fahameloha gne ame fitondra gne vadiny teo ame mpisorona gne lehilahy. Aoka hinday gne heloky izay mety hanagnany gne viavy."
1Yaveh nizaka tamin'i Mosesy. Hoy Izy hoe: 2"Mizaka ame vahoakan'i Israely. Rohono amindreo hoe: 'Raha misy lehilahy na viavy mitokan-tegna ho an'i Yaveh ame voady manokan'gne Nazirita, 3da aoka hifady divay na zava-pisotro mahery izy. Aoka tsy hisotro vinaingitra nanÿ tame divay na tame zava-pisotro mahery izy. Aoka tsy hisotro ranom-boaloboky izy na hihina voaloboka tsara na voaloboky maigny. 4Ame andro agnaby izay hitokanany ho Anahy, da aoka tsy hihina na ino na ino izay vita ame voaloboka izy, anisan'izany gne raha agnaby vita hatrame voany ka hatrame hodiny.5Agnatigne fotoan'gne voadim-pitokanany agnaby, da tsy hisy hareza hampiasay ame lohany mandra-pahatapitry gne andron'gne fitokanany ho an'i Yaveh. Aoka hatoka ho an'i Yaveh izy. Aoka hametraky gne volony hihalava ame lohany izy.6Agnatiny gne fotoa agnaby izay hitokanany ho an'i Yaveh, da aoka tsy hagnakaiky faty izy. 7Aoka tsy handoto gne tegnany izy ndre da ho an'gne rainy, reniny, rahalahiny, na anabaviny aza, raha maty ireo. Izany da satria efa nitoka ho an'Andriamanitra izy, izay hitan'gne olo ame halavan'gne volony. 8Agnatiny gne fotoan'gne fitokanany agnaby da masina izy, voatoka masina izy, voatokana ho an'i Yaveh.9Raha misy olo maty tampoky eo akaikiny ka mandoto gne lohany voamasy, da aoka hibory gne lohany izy ame andron'gne fagnadiova anazy—ame andro fahafito gne tsy maintsy hiboriany izany.10Ame andro fahavalo da aoka hinday voromailala roy na zana-boromailala roy ho an'gne mpisorona eo ame fidira ame tragno-lay fihaogna izy. 11Aoka hanolotry voro raiky ho fagnatitry nohon'gne ota ary raiky hafa ho fagnatitry horoan'gne mpisorona. Ireo da hagnonitry anazy satria nanota tame naha-teo akaikin'gne faty anazy izy. Aoka hanamasy gne lohany indraiky izy amin'izany andro izany.12Aoka hanoka-tegna ho an'i Yaveh agnatiny gne andron'gne fagnamasina anazy izy. Aoka hinday zanak'ondry lahy herintao ho fagnatitry noho gne heloky izy. Gne andro nialohan'gne nandotoany gne tegnany da aoka tsy hisay, satria nolotoy gne fahamasinany.13Izany gne lalà momba ny Nazirita refa feno gne fotoan'gne fitokanany. Aoka ho indesy eo ame fidira ame tragno-lay fihaogna izy. 14Aoka hanolotry gne fanatitriny ho an'i Yaveh izy. Aoka hanolotry zanak'ondry lahy herintao sady tsy misy kilema ho fagnatitry horoa izy. Aoka hanolotry zanak'ondry vavy herintao sady tsy misy kilema ho fagnatitry noho gne ota izy. Aoka hinday ondrilahy izay tsy misy kilema ho fagnati-pihavana izy. 15Aoka hinday mofo tsy misy lalivay eran'gne haro, mofo vita ame kobam-bary tsara disa miharo menaky, mofo manify tsy misy lalivay natrebôky tao ame menaky, miaraky ame fagnatitry hohany sy fagnatitry sotroy evao koa izy.16Aoka hanolotry ireo eo ankatrefan'i Yaveh gne mpisorona. Aoka hanolotry gne fagnatitry noho gne otany sy gne fagnatitry dorany izy. 17Miaraky ame mofo tsy misy masirasira eran'gne haro, gne aoka hanolorany gne ondrilahy ho sorona, da gne fagnati-pihavana ho an'i Yaveh. Aoka hanolotry gne fagnatitry hohany sy gne fagnatitry sotroy evao koa gne mpisorona.18 Aoka hibory gne lohany ilay Nazirita ho fagnambarà gne fitokanany ho an'Andriamanitra eo ame fidira ame tragno-lay fihaogna. Aoka hangala gne volo eo an-dohany izy ka handefa izany ao agnaty afo izay ao ambanin'gne sorona ho fagnati-pihavana.19Aoka hangala gne soroky gne ondrilahy mandevy, singa-mofo tsy misy lalivay ao ame haro, ary mofo manify tsy misy lalivay raiky gne mpisorona. Aoka hametraky ireo eo an-tagnan'gne Nazirita izy refa avy nibory gne lohany hanehoa gne fitokanany izy. 20Gne mpisorona da aoka hanevaheva ireo ho fagnatitry eo agnatrehan'i Yaveh, anjara masin'gne mpisorona, miaraky ae tratra izay nahevaheva sy gne tsobè izay natolotry ho an'gne mpisorona. Aorian'izay, da afaky misotro divay gne Nazirita.21Izany gne lalà ho an'gne Nazirita izay mivoady hinday fagnatiny ho an'i Yaveh ho an'gne fitokanany. Ndre ino ndre ino mety omeny, da aoka hitandrigny gne adidin'gne voady nanìny izy, mba hità gne fampagnantegna lazain'gne lalà ho an'gne Nazirita.'''22Nizaka tamin'i Mosesy indraiky Yaveh. Hoy Izy: 23"Mizaka amin'i Arona sy ireo zanany lahy. Zakay hoe: 'Tsofinareo rano amin'izao fomba izao gne vahoakan'i Israely. Zakainao amindreo hoe: 24"Hitahy anao sy hiaro anao anie Yaveh.25Hampamirapiratry gne tavany aminao sy hamindra fo aminao anie Yaveh. 26Hagnety anao amim-pankasitraha sy hagnome fiadana anao anie Yaveh.''' 27Amin'izany fomba izany gne tsy maintsy hametrahandreo gne agnarako eo ame vahoakan'gne Israely. Da hitahy andreo Iaho.''
1Tame andro nahavitan'i Mosesy gne tabernakely, da nosorany izany ary natokany ho an'i Yaveh, niaraky tame fanaky agnaby. Nanìny akô izany koa gne alitara sy gne fanaky agnaby. Nosorany izany ary natokany ho an'i Yaveh. 2Tamin'izany andro izany da nanolotry sorona gne mpitarik'Israely, sy gne lohan'gne fianakavian'gne razambeny. Ireo lehilahy ireo gne nitariky gne foko. Indreo gne nagnara-maso gne fanisana gne olo tame fagnisam-bahoaka. 3Nindesinreo teo agnatrehan'i Yaveh gne fagnatitrinereo. Ninday sarety misarona enina sy omby roy amby folo indreo, ary gne mpitariky tsiraidraiy da ninday omby raiky. Ninday sarety raiky isaky gne mpitariky roy aby indreo, ary gne mpitariky tsirairaiky da ninday omby raiky aby. Naterindreo teo agnatrehan'gne tabernakely ireo raha agnaby ireo.4Da niresaky tamin'i Mosesy i Yaveh. Hoy Izy hoe: 5"Ekeo gne fagnatitra avy amindreo ary ampiasao ho ame asa ao ame tragno-lay fihaogna gne fagnatitry. Omeo an'ireo Levita ireo fagnatitry, da ame tsiraidraiky araky gne ilaindreo ame asany avy."6Nalain'i Mosesy ireo sarety sy ireo omby, ary nomeny an'ireo Levita. 7Nagnome sarety roa sy omby efatry ho an'gne taranak'i Gersona izy, nohon'gne filandreo ame asany.8 Nagnome sarety efatry sy aomby valo ho an'gne taranak'i Merary izy, ho eo ame fiahian'i Itamara zanak'i Arona mpisorona. Nanìny izany noho izay notakian'gne asandreo.9Fa tsy nagnome ndre ino ndre ino tamin'ireo raha ireo ho an'gne taranak'i Kehata izy, satria gne andreo da asa mifandray ame raha izay an'i Yaveh izay ho lanjainy eo an-tsorony.10Nanolotry gne fagnomezany gne mpitariky mba ho an'gne fanokana gne alitara tame andro izay nagnosoran'i Mosesy gne alitara. Nanolotry gne sorony teo ankatrehan'gne alitara gne mpitariky. 11Hoy Yaveh tamin'i Mosesy hoe: "Aoka gne mpitariky tsirairay hanolotry gne sorony ame androny aby ho an'gne fanokana gne alitara."12Tame andro voalohany, da Nasona zanak'i Aminadaba, avy ame fokon'i Joda, gne nanolotry gne sorony. 13Gne sorony da lovia volafotsy raiky milanja sekely 130 sy lovia jobo raiky milanja sekely fitopolo, araka gne sandan'gne lanjan'gne sekelin'gne toera masina.Ireo raha ireo da samy feno divay sy lafarina tsara disa miharo menaky hatao fagnatitry hohany. 14Nagnome lovia volamena raiky milanja sekely folo sady feno ditin-kazo magnitry izy.15Nagnome vantotr'aombilahy raiky, ondry raiky, ary zanak'ondry lahy herintao, ho fagnatitry doroa izy. 16Nagnome osilahy ho fagnatitry nohon'gne ota izy.17 Nagnome omby roy, ondry dimy, osilahy dimy, ary zanak'ondry lahy dimy izay herintao, ho sorona hatao fagnati-pihavana izy. Izany gne soron'i Nasona zanak'i Aminadaba.18Tame andro faharoy, Netanela zanak'i Zoara, mpitarik'i Isakara, gne nanolotry gne sorony. 19Nanolotry lovia volafotsy milanja sekely 130 sy lovia jobo milanja sekely fitopolo izy ho sorony, araky gne sandan'gne lanjan'gne sekelin'gne toera masina. Samy feno lafarina tsara toto miharo menaky ho fagnatitry hohany ireo raha ireo.20Nagnome lovia volamena milanja sekely folo, feno ditin-kazo magnitry evao koa izy. 21Nagnome vantotr'ombilahy raiky, ondry raiky, ary zanak'ondry lahy herintao, ho fagnatitry doroa evao koa izy. 22Nagnome osilahy raiky ho fagnatitry nohon'gne ota izy. 23Nagnome aomby roy, ondry dimy, osilahy dimy, ary zanak'ondry lahy izay herintao, ho sorona hatao fagnati-pihavana izy. Izany gne soron'i Netanela zanak'i Zora.24Tame andro fahatelo, Eliaba zanak'i Helona, mpitariky gne taranak'i Zebolona, gne nanolotry sorona. 25Gne sorony da lovia volafotsy raiky milanja sekely 130, ary lovia jobo raiky milanja sekely fitopolo araky gne sandan'gne lanjan'gne sekelin'gne toera masina. Samy feno lafarina tsara disa miharo menaka ho an'gne fagnatitry hohany gne raha ireo. 26Nagnome lovia volamena milanja sekely folo, feno ditin-kazo magnitry evao koa izy.27 Nagnome vantotr'ombilahy raiky, ondry raiky, ary zanak'ondry lahy herintao ho fagnatitry dorana izy. 28Nagnome osilahy raiky ho fagnatitry nohon'gne ota izy.29 Nagnome aomby roy, ondry dimy, osilahy dimy, ary zanak'ondry lahy dimy izay herintao, ho sorona ho an'gne fagnati-pihavana izy. Izany gne soron'i Eliaba zanak'i Helona.30Tame andro fahefatry, Elizora zanak'i Sedeora, mpitariky ireo taranak'i Robena, gne nanolotry gne sorony. 31Gne sorony da lovia volafotsy milanja sekely 130 sy lovia jobo raiky milanja sekely fitopolo, araky gne sandan'gne lanjan'gne sekelin'gne toera masina. Samy feno lafarina tsara disa miharo menaky ho fagnatitry hohanina ireo raha ireo. 32Nagnome lovia volamena raiky milanja sekely folo, feno ditin-kazo magnitry evao koa izy33Nagnome vantotr'aombilahy raiky, ondry raiky, ary zanak'ondry lahy herintao ho fagnatitry doroa izy. 34Nagnome osilahy ho fagnatitry nohon'gne ota izy. 35Nagnome omby roy, ondry dimy, osilahy dimy, ary zanak'ondry lahy dimy izay herintao, ho sorona ho an'gne fagnati-pihavana izy. Izany gne soron'i Elizora zanak'i Sedora.36Tame andro fahadimy, Selomiela zanak'i Zorisaday, mpitariky gne taranak'i Simeona, gne nanolotry gne sorony. 37Gne sorony da lovia volafotsy milanja sekely 130 sy lovia jobo milanja sekely fitopolo, araka gne sandan'gne lanjan'gne sekelin'gne toerana masina.Samy feno lafariny tsara disa miharo menaky ho fagnatitry hohany ireo raha eo. 38Nagnome lovia volamena milanja sekely folo, feno ditin-kazo magnitry evao koa izy.39Nagnome vantotr'ombilahy raiky, ondry iray, ary zanak'ondry lahy herintao ho fagnatitry doroa izy. 40Nagnome osilahy raiky ho fagnatitry nohon'gne ota izy.41 Nagnome aomby roy, ondry dimy, osilahy dimy, ary zanak'ondry lahy izay herintao, ho sorona ho an'gne fagnati-pihavana izy. Izany gne soron'i Selomiela zanak'i Zorisaday.42Tame andro fahenina, Eliasafa zanak'i Doela, mpitaraky gne taranak'i Gada, gne nanolotry gne sorony. 43Gne sorony da lovia volafotsy raiky milanja sekely 130 sy lovia jobo raiky milanja sekely fitopolo, araky gne sandan'gne lanjan'gne sekelin'gne toera masina. Samy feno lafariny tsara disa miharo menaky ho fagnatitry hohany ireo raha ireo. 44Nagnome lovia volamena raiky milanja sekely folo, feno ditin-kazo magnitry evao koa izy.45Nagnome vantotr'aombilahy raiky, ondry raiky, ary zanak'ondry lahy herintao ho fagnatitry doroa izy. 46Nagnome osilahy raiky ho fagnatitry nohon'gne ota izy.47 Nagnome aomby roy, ondry dimy, osilahy dimy, ary zanak'ondry lahy izay herintao, ho sorona ho an'gne fagnati-pihavana izy. Izany gne soron'i Eliasafa zanak'i Doela.48Tame andro fahafito, Elisama zanak'i Amihoda, mpitariky gne taranak'i Efraima, gne nanolotry gne sorony. 49gne sorony da lovia volafotsy sekely raiky milanja 130 sy lovia jobo raiky milanja sekely fitopolo, araky gne sandan'gne lanjan'gne sekelin'gne toera masina. Samy feno lafariny tsara disa miharo menaky ho fagnatitry hohany gne raha ireo.50 Nagnome lovia volamena milanja sekely folo, feno ditin-kazo magnitry evao koa izy.51Nagnome vantotr'aombilahy raiky, ondry raiky, ary zanak'ondry lahy herintaona ho fagnatitry doroa izy. 52Nagnome osilahy raiky ho fagnatitry nohon'gne ota izy.53 Nagnome omby roy, ondry dimy, osilahy dimy, ary zanak'ondry lahy izay herintao, ho sorona ho an'gne fagnati-pihavana izy. Izany no soron'i Elisama zanak'i Amihoda.54Tame andro fahavalo, Gamaliela zanak'i Pedazora, mpitariky gne taranak'i Manase, gne nanolotry gne sorony.55 Gne sorony da lovia volafotsy milanja sekely 130 sy lovia jobo milanja sekely topolo, araky gne sandan'gne lanjan'gne sekelin'gne toera masina.Samy feno lafariny tsara miharo menaky ho fagnatitry hohany gne raha ireo. 56Nagnome lovia volamena milanja sekely folo, feno ditin-kazo magnitry evao koa izy.57Nagnome vantotr'aombilahy raiky, ondry raiky, ary zanak'ondry lahy herintaona ho fagnatitry doroa izy. 58Nagnome osilahy raiky ho fagnatitry nohon'gne ota izy.59 Nagnome omby roy, ondry dimy, osilahy dimy, ary zanak'ondry lahy izay herintao, ho sorona ho an'gne fagnati-pihavana izy. Izany gne soron'i Gamaliela zanak'i Pedazora.60Tame andro fahasivy, Abidana zanak'i Gideony, mpitariky gne taranak'i Benjamina, gne nanolotry gne sorony. 61Gne sorony da lovia volafotsy milanja sekely 130 sy lovia jobo milanja sekely fitopolo, araky gne sandan'gne lanjan'gne sekelin'gne toerana masina. Samy feno lafariny tsara disa miharo menaky ho fagnatitry hohany gne raha ireo.62 Nagnome lovia volamena milanja sekely folo, feno ditin-kazo magnitry evao koa izy.63 Nagnome vantotr'ombilahy raiky, ondry raiky, ary zanak'ondry lahy herintao ho fagnatitry doroa izy. 64Nagnome osilahy raiky ho fagnatitry nohon'gne ota izy.65 Nagnome omby roy, ondry dimy, osilahy dimy, ary zanak'ondry lahy izay herintao, ho sorona ho an'gne fagnati-pihavana izy. Izany gne soron'i Abidana zanak'i Gideony.66Tame andro fahafolo, Ahiezera zanak'i Amisaday, mpitarika gne taranak'i Dana, gne nanolotry gne sorony. 67Gne sorony da lovia volafotsy milanja sekely 130 sy lovia jobo milanja sekely fitopolo, araky gne sandan'gne lanjan'gne sekelin'gne toera masina. Samy feno lafariny tsara disa miharo menaky ho fagnatitry hohany gne raha ireo. 68Nagnome lovia volamena milanja sekely folo, feno ditin-kazo magnitry evao koa izy.69Nagnome vantotr'aombilahy raiky, ondry raiky, ary zanak'ondry lahy herintao ho fagnatitry doroa izy. 70Nagnome osilahy raiky ho fagnatitry nohon'gne ota izy.71Nagnome aomby roy, ondry dimy, osilahy dimy, ary zanak'ondry lahy izay herintao, ho sorona ho an'gne fagnati-pihavana izy. Izany gne soron'i Ahiezera zanak'i Amisaday.72Tame andro fahiraiky amby folo, Pagiela zanak'i Okrana,mpitariky gne taranak'i Asera, gne nanolotry gne sorony. 73Gne sorony da lovia volafotsy milanja sekely 130 sy lovia jobo milanja sekely fitopolo, araky gne sandan'gne lanjan'gne sekelin'gne toera masina. Samy feno lafariny tsara toto miharo menaky ho fagnatitry hohany ireo raha ireo.74 Nagnome lovia volamena milanja sekely folo, feno ditin-kazo magnitry evao koa izy.75Nagnome vantotr'ombilahy raiky, ondry raiky, ary zanak'ondry lahy herintao ho fagnatitry dorana izy. 76Nanome osilahy raiky ho fagnatitry nohon'gne ota izy.77 Nagnome omby roy, ondry dimy, osilahy dimy, ary zanak'ondry lahy izay herintao, ho sorona ho an'gne fagnati-pihavana izy. Izany gne soron'i Pagiela zanak'i Okrana.78Tame andro faharoy ambin'gne folo, Ahira zanak'i Enana, mpitariky gne taranak'i Naftaly, gne nanolotry gne sorony. 79Gne sorony da lovia volafotsy milanja sekely 130 sy lovia jobo milanja sekely fitopolo, araky gne sandan'gne lanjan'gne sekelin'gne toera masina. Samy feno lafariny tsara disa miharo menaky ho fagnatitry hohany gne raha ireo. 80Nagnome lovia volamena milanja sekely folo, feno ditin-kazo magnitry evao koa izy.81Nagnome vantotr'ombilahy raiky, ondry raiky, ary zanak'ondry lahy herintaona ho fagnatitry doroa izy. 82Nagnome osilahy raiky ho fagnatitry nohon'gne ota izy.83 Nagnome omby roy, ondry dimy, osilahy dimy, ary zanak'ondry lahy izay herintao, ho sorona ho an'gne fagnati-pihavana izy. Izany gne soron'i Ahira zanak'i Enana.84Natokan'gne mpitariky gne Israely tame andro nagnosoran'i Mosesy gne alitara gne raha ireo. Natokandreo gne lovia volafotsy roy amby folo, gne lovia jobo roy amby folo, ary gne lovia volamena roy ambin'gne folo.85 Gne lovia volafotsy tsiraidraiky da samy nilanja sekely 130 avy ary gne lovia jobo da nilanja sekely fitopolo avy. Ireo fanaky volafosty agnaby da nilanja sekely 2.400, araky gne sandan'gne lanjan'gne sekelin'gne toera masina.86 Gne kirairaiky amin'gne lovia volamena roy ambin'gne folo, feno ditin-kazo magnitry, da nilanja sekely folo araky gne sandan'gne lanjan'gne sekelin'gne toerana masina. Gne lovia volamena agnaby da nilanja sekely 120.87Natokandreo avokoa gne biby ho fagnatitry dorana, da ombilahy roy amby folo, ondry roy ambin'gne folo, ary zanak'ondry lahy herintao roy amby folo. Nomendreo gne fagnatitry hohaniny. Nagnome osilahy roy ambin'gne folo ho fagnatitry nohon'gne ota indreo.88Nagnome ombilahy efatry amby roapolo, ondry enimpolo, osilahy enimpolo, ary zanak'ondry lahy herintao enimpolo avy tame biby fiompiny indreo, ho sorona ho an'gne fagnati-pihavana. Izany da ho an'gne fanokana gne alitara tafaran'gne nagnosora anazy.89Refa niditry tao ame tragno-lay fihaogna mba hiresaky tamin'i Yaveh i Mosesy, da nandre gne feony nizaka taminazy izy. Nizaka taminazy avy teo ambonin'gne saronam-pagnavota teo ame fiaran'gne vavolombelo, avy teo agnelagnelan'gne kerobima roy Yaveh. Niresaky taminazy Izy.
1Yaveh niresaka tamin'i Mosesy. Hoy Izy hoe: 2"Miresaha amin'i Arona. Zakay aminazy hoe: 'Tokony hagnome hazava eo ankatrehan'gne fitoeran-jiro ireo jiro fito refa mampirehitry ireo enao.'"3Nagnano izany Arona. Nampirehitry gne jiro teo ame fitoeran-jiro izy mba hagnome hazava eo ankatrehan'izany, araka gne efa nandidian'i Yaveh an'i Mosesy. 4Tamin'izany fomba izany gne nagnamboara gne fitoeran-jiro ary Yaveh nampiseho an'i Mosesy gne lamina ho amin'izany. Izany da volamena voatefy avy tame fotorany ka dogny ame tampony, niaraky tame vazy voasa akô gne voninkazo.5Niresaky tamin'i Mosesy indraiky Yaveh. Hoy Izy hoe: 6"Alaivo avy eo amin'gne vahoakan'Israely gne Levita ary diovy indreo.7Ataovy amindreo izao mba hagnadiova andreo: Afafazo eo amindreo gne ranon'gne fagnavota. Ampangalay gne vatany agnaby, manasa gne fitafiany indreo, ary amin'izany fomba izany gne hagnadiova gne tegnandreo. 8Ary asaivo mangala vantotr'ombilahy sy fagnatitry voa miaraky ame koba tsara disa mifangaro menaky indreo. Aoka indreo hangala vantotr'aombilahy raiky hafa ho fagnatitry nohon'gne ota.9Hinday ireo Levita eo alohan'gne tragno-lay fihaogna sy hamory gne vondron'gne vahoakan'Israely agnaby ao. 10Refa minday ireo Levita eo ankatrehan'i Yaveh enao, da tsy maintsy mametraky gne tagnany eo amin'ireo Levita gne vahoakan'Israely. 11Tsy maintsy atolotr'i Arona eo ankatrehan'i Yaveh ireo Levita, akô gne fagnatitry ahevaheva avy ame vahoakan'Israely mba hahafahandreo magnano gne fanompoa an'i Yaveh.12Tsy maintsy apetrak'ireo Levita eo ame lohan'gne aomby gne tagnany. Tsy maintsy manolotry aomby raiky ho an'gne fagnatitry nohon'gne ota ary omby hafa ho an'gne fagnatitry doroa ho Ahy enao, mba hagnonera ho an'gne Levita.13 Aboahy eo akatrehan'i Arona sy eo ankatrehan'gne zanany lahy gne Levita ary asandrato ho fagnatitry ahevaheva ho Ahy.14Amin'io fomba io gne tsy maintsy hagnasarahanao gne Levita ame vahoakan'gne Israely. Ho Ahy gne Levita. 15Magnaraky izany, tsy maintsy mandeha manompo ao an-dragno lain'gne fihaogna gne Levita. Tsy maintsy magnadio andreo enao.Tsy maintsy atolotrao akô gne fagnatitry ahevaheva indreo.16Ataovy izany, satria indreo da Anahy tanteraky izay avy eo ame vahoakan'Israely. Handray gne toeran'gne zaza lahy kirairaiky avy izay hateraky voalohany indreo, da gne lahimatoan'gne taranak'Israely agnaby. Efa nangala gne Levita ho an'gne tegnako Iaho. 17Anahy gne lahimatoa avy ao ame vahoakan'Israely agnaby, miaraky ame olo sy gne biby. Tame andro izay nangalako gne ain'gne lahimatoa agnaby tao ame tany Egypta, da nanoka andreo ho Anahy Iaho18 Efa nangala gne Levita avy teo ame vahoakan'Israely ho solon'gne lahimatoa agnaby Iaho.19 Efa nagnome gne Levita ho fagnomeza ho an'i Arona sy gne zanany lahy Iaho. Efa nangala andreo avy teo ame vahoakan'Israely mba hagnano gne asan'gne vahoakan'Israely ao ame tragno-lay fihaogna Iaho. Efa nagnome anazy ireo ho fagnavota ho an'gne vahoakan'Israely Iaho mba tsy hisy areti-mandringa hamely gne vahoaka raha vao magnakaiky gne toera masina indreo."20Mosesy, Arona, ary gne vondron'gne vahoakan'Israely agnaby nagnano izany tamin'gne Levita. Nagnatanteraky ireo raha agnaby nandidian'i Yaveh an'i Mosesy gne amin'gne Levita indreo. Nagnano izany niaraky tamindreo gne vahoakan'Israely. 21Nagnadio gne tegnany sy nanasa gne fitafiny gne Levita, ary Arona nanolotry andreo ho fagnatitry ahevaheva ho an'i Yaveh sy nagnano fagnavota ho andreo mba hagnadiova andreo.22Magnaraky izany, nandeha nagnano gne fanompoa tao ame tragno-lay fihaogna magnatriky an'i Arona sy gne zanaky lahin'i Arona gne Levita. Akô izany gne nandidian'i Yaveh an'i Mosesy mahakasiky gne Levita. Izany gne fomba nitondrany gne Levita agnaby.23Niresaky tamin'i Mosesy indraiky Yaveh. Hoy Izy hoe: 24"Izao agnaby izao da ho an'gne Levita izay dimy amby roapolo tao no ho miakatry. Tsy maintsy miaraka amin'ny mpanompo mba hanompo ao ame tragno-lay fihaogna indreo.25Tsy maintsy mijano ame fanompoa amin'izany fomba izany indreo refa feno dimampolo tao. Amin'izany taogny izany da tsy mahazo manompo esanaky indreo.26 Afaky magnampy gne rahalahiny izay manohy gne asa ao ame tragno-lay fihaogna indreo, nefa tsy afaky manompo esanaky. Tsy maintsy mitariky gne Levita amin'gne raharaha agnaby ireo enao."
1Ary Yaveh nizaka tamin'i Mosesy tagny an'efitr'i Sinay, tame volagny voalohany tame taona faharoy tafaran'gne nivoahandreo gne tany Egypta. Hoy Izy hoe: 2"Aoka gne vahoakan'gne Israely hitandrigny gne Paska ame fotoa raikitra ame tao. 3Amime harivan'gne andro fahefatry ambin'gne folo amin'ity vola ity, gne tsy maintsy hitandremanao gne Paska ame fotoa raikitra ame tao. Hitandrigny izany enao, araho gne didy amem-pitsipiky agnaby, ary toavy gne didy agnaby izay mifandraiky amin'izany."4Koa, nizaka tame vahoakan'gne Israely i Mosesy fa tokony hitandrigny gne firavoravoan'gne Paska indreo. 5Da nitandrigny gne Paska tame volagny voalohany indreo, tame andro fahefatry ambin'gne folon'gne vola, tame hariva, tagny agn'efitr'i Sinay. Nagnaraky gne raha agnaby izay nandidian'i Yaveh hataon'i Mosesy gne vahoakan'gne Israely.6Ary nisy olo sasany naloto tame fatin'gne olo raiky. Tsy afaky nitandrigny gne Paska tamin'izany andro indreo. Da nandeha teo agnatrehan'i Mosesy sy Arona indreo tamin'izany andro izany. 7Hoy gne olo ireo tamin'i Mosesy hoe: "Maloto nohon'gne fatin'olo izahay. Nahoa gne tsy avelanao hagnatitry soro ho an'i Yaveh ame fotoa raikitry ame tao eo ame vahoakan'gne Israely izahay?" 8Hoy Mosesy tamindreo: "Andraso aloha iaho hihaino izay handidian'i Yaveh gne aminareo."9Nizaka tamin'i Mosesy i Yaveh. Hoy izy hoe: 10"Mizakà ame vahoakan'gne Israely. Lazao hoe: 'Raha misy maloto eo aminareo na gne taranakareo nohon'gne fatin'olo, na ame dia lavitry, dila tsy afaky mitandrigny gne Pasky ho an'i Yaveh indreo.'11Aoka hitandrigne gne Pasky ame harivan'gne andro fahefatry ambin'gne folo ame volagny faharoy indreo. Mofo tsy misy masirasira sy agnatsonga mangidy gne tsy maintsy hihinanany izany. 12Tsy tokony hametraky izany mandra-mpandray indreo, na hanapaky gne taolany. Aoka hagnaraky gne didy amam-pitsipika agnaby ame Paska indreo.13Fa gne olo izay madio sy tsy nandia lavitry, nefa tsy mitandrgny Paska, izany olo izany da hofongora tsy ho eo ame olo satria tsy nagnatitry gne fagnatitry izay takian'i Yaveh ame fotoa raikitry ame taogny izy. Izany olo izany da hilanja gne helony. 14Raha misy vahiny monina eo aminao ary mitandrigny gne Paska ho voninahitr'i Yaveh, aoka izy hitandrigny izany sy hagnano ireo didiny agnaby, ary hagnaraky gne fitsipiky gne Paska, ary magnaraky gne lalà amin'izany. Aoka hana lalà mitovy ho an'gne vahiny sy gne agnaby izay efa teraky ao amin'ilay tany enao."15Tame andro nametraha gne tabernakely, gne rahona nandrakotry gne tabernakely, ilay lain'gne lalàn'gne fagneke.Tamin'gne hariva gne rahona da teo ambonin'gne tabernakely. Nibôky akô gne afo mandra-mpandraigny izany.16 Nitohy tahak'izany foana izany. Nandrakotry gne tabernakely gne rahona ary niseho ho akô gne afo ame alina. 17Ndre ovia ndre ovia gne mika gne nampiakary avy teo ame lay, da niainga tame diany gne vahoakan'Israely. Ndre taia ndre taia gne nijanonan'gne rahona, da nitoby teo gne vahoakan'gne Israely.18Araka gne didin'i Yaveh, gne vahoakan'gne Israely da nandeha, ary tame didiny, gne nitobiandreo. Raha nijano teo ambonin'gne tabernakely gne mika, da nijano tagny ame tobiny indreo. 19Refa nipetraky andro maro teo ame tabernakely gne rahona, da nagnaraky gne toro-lalan'i Yaveh indreo ary tsy nandeha.20Indraindraiky gne mika da nidoboky andro vitsy teo ame tabernakely. Tamin'izany toe-javatra izany, da nagnaraky gne didin'i Yaveh indreo—nitoby ary nanohy gne diany indraiky tame didiny. 21Indraindraiky gne mika da nijanona nitoby hatramin'gne hariva ka mandra-mpandray. Raha niakatry gne mandray gne rahona, da nandeha indreo. Raha nitohy gne andro na gne aligny izany, da refa niakatry evao gne mika vao nanohy nandeha indreo.22Na indroy andro, na ray volagny, na herintao gne nijanonan'gne mika teo ambonin'gne tabernakely, raha mbola nijano teo koa izany, da nijano tao an-tobiny ary tsy nandeha gne vahoakan'Israely.Fa isaky gne nakarigny gne mika da niroso tame diany indreo. 23Nitoby araky gne didin'i Yaveh indreo. Nagnaraky gne didin'i Yaveh izay nomena avy tamin'i Mosesy indreo.
1Niresaky tamin'i Mosesy i Yaveh. Hoy Izy: 2"Mamboara atsiva volafotsy roy. Ame tefy tagna gne hamboaranao gne volafotsy. Tsy maintsy mampiasa gne atsiva enao hangia gne fiangona miaraky sy hangia gne fiangona hamindra gne tobindreo.43Ieo mpisorona da tsy maintsy hitsotry ireo atsiva mba hangia gne fiangona agnaby hitambatry eo agnoloanao eo ame fidira mankao ame tragno-lay fihaogna.4 Raha atsiva raiky avao gne tsofin'ireo mpisorona, da hivory eo aminao ireo mpitariky, ireo lohan'gne fokon'Israely.5Rehefa mitsotry famantara mafy enareo, da hanomboky gne diandreo gne toby any atsignana.6Refa mitsoky gne fanaira mafy fagnindroany enareo, da hanomboky gne diandreo gne toby agny atsimo. Tsy maintsy mitsotry fanaira mafy ho an'gne diany indreo. 7 Refa mivory miaraky gne fiangona, da tsofy gne atsiva, fa tsy mafy loatra. 8Ireo zanaky lahin'i Arona, ireo mpisorona, gne tsy maintsy mitsotry gne antsiva. Izany da ho lalàna mandrakariva ho anareo hatramin'gne taranak'ireo vahoakanao.9Refa mandeha miady agny ame taninareo hanohitry gne mpifanandrina izay mampahory anareo enareo, da tsy maintsy hampagneno fanaira amin'gne atsiva. Iaho, Yaveh Andriamanitrareo, gne hahatsiaro anareo ka hamonjy anareo amin'gne fahavalonareo.10Ary koa, amin'ireo fotoanan'gne fankalaza, da gne firavoravoa mahazatry sy amin'gne fiandohan'gne volagny, da tsy maintsy hitsotry gne atsiva enareo ho fankalaza gne fanatitry doranareo sy gne sorona hafa ho an'gne fagnati-pihavananareo. Hatao izany ho fahatsiarovanareo Ahy, ilay Andriamanitrareo. Iaho gne Yaveh Andriamanitrareo."11Tame tao faharoy, tame vola faharoy, tame andro faha roapolon'gne volagny, da niakatry avy eo ame tabernakelin'gne lalàn'gne fanekena gne rahona. 12Nanohy gne diany niala tany an'efitr'i Sinay gne vahoakan'Israely. Nijanona teo ame efitr'i Parana gne rahona. 13Nanao gne diandreo voalohany, araky gne didin'i Yaveh izay nomeny tame alalan'i Mosesy indreo.14Gne toby ambanin'gne fanevan'gne taranak'i Joda gne nivoaky voalohany, namoaka ireo fiadiany avy. Nasona zanaky lahin'i Aminadaba nitariky gne tafik'i Joda. 15Netanela zanaka lahin'i Zoara nitariky gne tafiky gne fokon'gne taranak'Isakara. 16Eliaba zanaky lahin'i Helona nitariky gne tafiky gne fokon'gne taranak'i Zebolona.17Ireo taranak'i Gersona sy Merary, izay niandraikitra gne tabernakely, da nampidina gne tabernakely ary nianga tame diandreo. 18Avy eo, gne tafiky teo ambanin'gne fanevan'gne tobin'i Robena da niainga. Elizora zanaky lahin'i Sedeora nitarika gne tafik'i Robena. 19Selomiela zanaka lahin'i Zorisaday nitariky gne tafiky gne fokon'gne taranak'i Simeona. 20Eliasafa zanaky lahin'i Doela nitariky gne tafiky gne fokon'gne taranak'i Gada.21Niainga ireo Kehatita. Ninday gne fitaova masina tao ame fitoera masina. Gne sasany da nananga gne tabernakely mialohan'gne nahatongavan'gne Kehatita teo ame toby magnaraky. 22Ireo tafika teo ambanin'gne fanevan'gne taranak'i Efraima gne niainga nagnaraky. Elisama zanaky lahin'i Amihoda nitariky gne tafik'i Efraima. 23Gamaliela zanaky lahin'i Pedazora nitariky gne tafiky gne fokon'gne taranak'i Manase. 24Abidana zanaky lahin'i Gideony nitarika gne tafiky gne fokon'gne taranak'i Benjamina.25Ireo tafiky izay nitoby teo ambany fanevan'gne taranak'i Dana e niala farany. Ahiezera zanaka lahin'i Amisaday nitariky gne tafik'i Dana. 26Pagiela zanaky lahin'i Okrana nitariky gne tafiky gne fokon'gne taranak'i Asera. 27Ahira zanaky lahin'i Enana nitariky gne tafiky gne fokon'gne taranak'i Naftaly. 28Tamin'izany fomba izany gne niaingan'gne tafiky gne vahoakan'Israely tame diany.29Niresaky tamin'i Hobaba zanaky lahin'i Regoela Midianita i Mosesy. Regoela gne rain'gne vadin'i Mosesy. Niresaka tamin'i Hobaba i Mosesy ka niteny hoe: "Andeha hankany ame toera izay nofaritan'i Yaveh izahay. Hoy Yaveh: 'Homeko anareo izany. Aska hiaraky aminay da hanaovanay soa enareo. Yaveh efa nampagnantegna gne hagnano soa gne Israely." 30Fa hoy Hobaba tamin'i Mosesy: "Tsy andeha hiaraka aminao iaho. Handeha ho agny ame taniko sy gne oloko iaho."31Ary da namaly Mosesy hoe: "Aoka re mba tsy hiala anay enao. Enao mahalala gne hitobia agny an'efitra. Tokony hitandrina anay enao. 32Raha andeha hiaraky aminay enao, da hataonay aminao araky gne soa izay nataon'i Yaveh taminay."33Nandeha niala gne tendrombohitr'i Yaveh tagnatine gne telo andro indreo. Gne fiaran'gne faneken'i Yaveh nandeha teo alohandreo tagnatine hateloa mba hitady toera hialana sasatra ho andreo. 34Gne rahon'i Yaveh da teo ambonindreo tame andro raha nandeha indreo.35Refa miainga gne fiara, da mizaka Mosesy hoe: "Mitsangàna, ry Yaveh. Ahelezo ireo fahavalonao. Ampandosiro hiala eo Aminao izay mankahala Anao." 36Refa mijano gne fiara, da miteny Mosesy hoe: "Miveregna, ry Yaveh, ame Israely an'aliny maro."
1Ary nitaraigny momba gne olandreo gne vahoaky raha nihaino Yaveh. Nandre gne olo Yaveh ka nanjary vignitry. Nisy afon'i Yaveh nandoro andreo ary nandevogny gne sasany tamin'ireo toby tegny amorony. 2Avy eo da nangaiky an'i Mosesy gne vahoaky, koa da nivavaky tamin'i Yaveh i Mosesy, ary nijano gne afo. 3Nangiha hoe Tabera izany toerana izany, satria nirehitry teo amindreo gne afon'i Yaveh.4Nanomboky niara-nitoby tame taranak'Israely gne sasany tamin'ireo hafa firenena. Nagniry gne hihina sakafo tsara indreo. Ary nanomboky nitomany gne vahoakan'Israely ka nagnano hoe: "Ia gne hagnome sakafo hohaninay? 5Tsaroanay gne trondro izay nohaninay maimaimpoana tagny Egypta, gne kaokaombra, gne voatavo, gne tongolo raviny, gne tongolo, ary gne tongolo gasy. 6Ankehitriny lasa gne homantsika, satria gne sisa mba hitantsika da ity mana ity.''7Gne mana da akô gne voan-drafy. Miendrika akô gne dinti-kazo izany.8Nandeha niodidy ireo olo ary nandagno izany. Nodisanindreo tame fikosoham-bary izany, nodisany tame leogny, nampangotrahy tao agnaty vilagny, ary namboary mofomamy. Nitovy tsiro tame menaky oliva vaovao izany.9Refa nilatsaky teo ame toby gne ranon'ando gne aligny, da nilatsaky evaokoa koa gne mana. 10Nandre gne olo nitomagny tao amr fianakaviandreo Mosesy, ary gne lehilahy agnaby da teo ame fidira ho agny ame lainy. Vignitry mafy Yaveh, ary diso teo imason'i Mosesy gne fitarainandreo.11Hoy Mosesy tamin'i Yaveh hoe: "Nahoa Enao gne mampijaly gne mpanomponao? Nahoa Enao gne tsy faly amiko? Nampilanjanao gne enta-mavesatr'ireo olo agnaby ireo iaho. 12Iaho me gne namorogny gne olo agnaby ireo? Iaho me gne niteraky andreo gne hilazakanao aminaha hoe: 'Trotroy eo an-tratranao akô gne fitrotron'gne ray zaza indreo?' Tokony hitonday andreo agny amin'ilay tany izay nampagnantegnainao homegne razambendreo me iaho?13Aia gne ahitako sakafo omena ity vahoaky agnaby ity? Mitomagny eo agnoloako indreo ary mizaka hoe: 'Omeo sakafo ho hany izahay.' 14Tsy afaky gne hilanja ireo olo ireo raiky iaho. Be loatry ho anahy indreo. 15Satria entinao akô izany iaho, da vonoy iaho anio, raha tia anahy Enao, ary alay aminaha gne fijaliako."16Hoy Yaveh tamin'i Mosesy hoe: "Hitondray loholon'Israely fito-polo Aho. Ataovy azo antoka fa loholona sy manam-boninahitry gne vahoaky tokôtry indreo. Ento ao ame tragno-lay fihaogna indreo mba hiara-hijoro aminao. 17Hidigny ary hiresaky aminareo agny Aho. Hangala gne sasany amin'gne Fagnahy izay ao aminao Aho ary hametraky izany amindreo. Hiara hilanja gne enta-mavesatr'gne vahoaky hiaraky aminao indreo. Tsy hinday izany raiky enao.18Rohony amin'gne vahoaky hoe: 'Manokàna tegna enareo, ho ame omaray ary hihina hena tokôtry enareo, satria nitomagny enareo ary henon'i Yaveh. Enao niroho hoe: "Ia gne hagnome hena hohaninay? Tsara taminay gne tagny Egypta." Noho izany Yaveh da hagnome sakafo ho anareo, ary hihina izany enareo. 19Tsy hihina sakafo agnatiny gne andro raiky, roy andro, dimy andro, folo andro, na roa-polo andro fotsiny enareo, 20fa hihina sakafo agnatiny gne ray volana manontolo mandra pivoakan'izany egny ame lavak'oronareo. Hampadikidiky anareo izany satria nandà an'i Yaveh, izay eo aminareo enareo. Nitomagny teo agnatrehany enareo. Hoy enareo hoe: "Nahoa izahay gne niala an'i Egypta?""'21Ary hoy Mosesy hoe: "Miaraky ame olo 600.000 iaho, ary hoy enao hoe: 'Hagnome sakafo ho hany ho andreo Aho agnatiny gne ray vola.' 22Tokony hamono gne ondry aman'osy sy gne omby ve izany izahay hampifalia andreo? Tokony hamita gne trondro agnaby ao agnaty ranomasy ve izahay mba hampifalia andreo?" 23Hoy Yaveh tamin'i Mosesy hoe: "Fohy me gne tagnako? Izao da ho hitanao raha marina gne zakako na tsia."24Nivoaky Mosesy ary nizaka tamin'gne vahoaky gne tenin'i Yaveh. Nanangona loholo fito-polo tamin'ireo vahoaka izy ary nandahatra andreo nagnodidy gne lay. 25Nidigny avy egny ame rahona Yaveh ary niresaky tamin'i Mosesy. Nangala ny Fagnaha sasany izay tao amin'i Mosesy i Yaveh ary nametraka izany teo amin'ireo loholona fito-polo. Rehefa nitoetra tao amin'izy ireo ilay Fanahy, dia naminany izy ireo, saingy tamin'io fotoana io ihany fa tsy niverina intsony.26Lelahy roa no nijanona tao amin'nytoby, nantsoina hoe Eldada sy Medada. Nitoetra tao amin'izy ireo ihany koa ilay Fanahy. Ny anaran'izy ireo dia voasoratra tao amin'ny lisitra, saingy tsy nivoaka ny lay izy ireo. Na dia izany aza, naminany tao amin'ny toby izy ireo. 27Nisy tovolahy iray tao amin'ilay toby nihazakazaka ary niteny tamin'i Mosesy hoe: "Eldada sy Medada dia maminany ao amin'ny toby."28Jesoa zanak'i Nona lelahy, mpagnampin'i Mosesy, raiky tame lelahy vofidiny, da nizaka tamin'i Mosesy hoe: "Ô Mosesy tompoko, sakagno indreo." 29Hoy Mosesy taminazy se: "Saropiaro nohon'e gn'aminahy me anao? Magniry iaho raha mba mpaminany agnaby e vahoakan'i Yaveh ary hagnapetraky gne Fagnahany amin'izy agnaby io Izy!" 30Avy eo Mosesy sy gne loholon'Israely niverigny tao ame toby.31Avy eo da nisy rivotry avy agny amin' i Yaveh ary ninday papelika avy agny agnaty ranomasy. Latsaky teo akekin'e toby io, teo eme lala raiky andro ame gn'ambadikiny ary lala raiky andro tagny ame gn'angilany. Nagnodidy e toby gne papelika teo ame roy joro ambonin'e tany. 32Sahira gn'olo nandagno gne papelika tamin'izany andro zany, gn'alina manontolo, ary gn'andro magnaraky. Tsy nisy nandagno papelika latsaky e folo homara. Nizara gne papelika nagnera gne toby agnaby indreo.33Raha mbola teo agnelagnelan'e nifin-dreo e hany, raha mbola nisito izany indreo, da vignitry tamin-dreo Yaveh. Namely gn'olo tame gn'arety zakabe Izy.34 Nangia hoe Kibrota Hatava izany toera izany satria tao gne nandevegnan-dreo gn'olo izay nagniry hene zakabe. 35Niala avy agny Kibrota Havata gn'olo mba ho agny Hazerota, izay nijanognan-dreo.
1Avy eo Myriama sy Arona nikora nanohitry an' i Mosesy noho ilay viavy Kosita izay nampekariny. 2Hoy indreo se: "Mosesy avao me gne nikoragnan'i Yaveh?" Ary ren'i Yaveh izay nozakain-dreo. 3Ary tene manendri-tegna gne lelehy Mosesy, be fanendre-tegna4Teo no ho eo Yaveh da nikora tamin'i Mosesy, Arona, ary Miriama hoe: "Mijotsoha, anareo telo, ho agny ame tragno-lay fihaona." Noho izany da nijotso izy telo. 5Avy eo Yaveh nidigny tegny ame andrin-drahona. Nitsanga teo ame fidira ao ame lay Izy ary nangaiky an'i Arona sy Miriama. Samy nandroso indreo roy.6Hoy Yaveh hoe: "Androany tenomo e zakako. Rehefa miaraka aminareo e mpaminaniko, da hagnambara e tegnako aminazy ame fahita Iaho ary hikora aminazy agnaty honofy. 7Tsy mitovy amizany Mosesy mpanompoko. Mahatoky izy ao ame tragnoko agnaby. 8Mikora mivantana amin'i Mosesy Iaho, fa tsy ame gn'endriko. Ka nagnino anareo gne tsy matahotry e hikoragna handà e mpanompoko, manohitry an'i Mosesy?"9Nirehitry tamin-dreo e havigniran'i Yaveh, ary avy eo Izy nialan-dreo. 10Niala teo ame lay gne mika, ary Miriama lasa boka tampoky—fotsy akoy gne pitsipitsin-drikandro izy. Rehefa nitodiky tagny amin'i Miriama i Arona, da hitany fa nisy haboka izy.11Hoy Arona tamin'i Mosesy hoe: "Ô tompoko, ka hozogny aminay ity fahota ity. Nikora adaladala iahay, ary nagnota. 12Ka avela ho akoy e zaza voteraky maty izy izay lany gn'antsasak'e nofotriny raha voteraky avy ame trokin'i endriny."13Noho izany da nangaiky an'i Yaveh i Mosesy. Hoy izy hoe: "Miangavy re mba hafao izy, rô Andriamanitra, miangavy." 14Hoy Yaveh tamin'i Mosesy hoe: "Raha nandrora tame tarehiny i abany, da ho afa-bara mandritry e fito andro izy. Hidio agny ambadik'e toby mandritry e fito andro izy. Afaran'izany da indeso miverigny izy." 15Ka da nohidia tagny ambadik'e toby nandritry e fito andro izy. Tsy nandeha e vahoaka mandra-piveriny tao an-toby.16Tafaran'izany, da niala avy tao Hazerota e vahoaka ary nibetraky ambatik'i Parana.
1Da nizaka tamin'i Mosesy i Yaveh. Hoy Izy hoe: 2"Mandefasa lelahy maromaro mba hagnety e tany Kanana, izay nomeko e vahoakan'Israely. Mandefasa lelahy raiky avy ame fokon'e razambendreo agnaby. Gne lelahy tsiraikiraiky da tsy maintsy mpitarika eo amin-dreo."3Nandefa andreo avy tagne akebakebatanin'i Parana i Mosesy, mba hahafahan-dreo magneky e didin'i Yaveh. Izy agnaby da samy mpitariky teo ame vahokan'Israely agnaby. 4Itoa gn'agnaran-dreo: avy ame fokon'i Robena da i Samoa zanak'i Zakora lelahy;5avy ame fokon'i Simeona da i Safata, zanak'i Hory lelahy; 6avy ame fokon'i Joda da i Kaleba zanak'i Jefone lelahy; 7avy ame fokon'i Isakara da i Jigala zanak'i Josefa lelahy; 8avy ame fokon'i Efraima da i Hosea zanak'i Nona lelahy;9avy ame fokon'i Benjamina da i Palty zanak'i Rafo lelahy; 10avy ame fokon'i Zebolona da i Gadiela zanak'i Sody lelahy; 11avy ame fokon'i Josefa (izay midika hoe avy ame fokon'i Manase) da i Gady zanak'i Sosy lelahy; 12avy ame fokon'i Dana da i Amela zanak'i Gemaly lelahy;13avy ame fokon'i Asera da i Setora zanak'i Mikaela lelahy; 14avy ame fokon'i Naftaly da i Naby zanak'i Vofsy lelahy; 15avy ame fokon'i Gada da i Geoela zanak'i Maky lelehy. 16Io gn'agnaran'e lelahy izay nalefan'i Mosesy mba hagnety e tany. Nangian'i Mosesy tame gn'agnaran'i Josoa i Hosea zanak'i Nona lelahy.17Nalefan'i Mosesy mba hagnety e tany Kanana indreo. Hoy izy tamin-dreo hoe: "Midira avy agny Negeva ary miakara agny ame tany hambony. 18Iteo e tany mba hahita hoe akoingaia. Diniho gn'olo mipetraky ao, na matanjaky na malemy, ary na vitsy na maro.19 Iteo e karazan'e tany ipetrahan-dreo. Tsara me izany sa ratsy? Tanà ino gn'amoao? Mitovy ame toby me indreo, sa tanà mimanda? 20Iteo e toetrin'e tany, raha tsara ho an'e fambole na tsia, ary raha misy hazo mitsiry ao na tsisy. Mahereza ka mindesa santionany ame vokatr'e tany." Ary izany fotoa izany da fotoan'e voaloham-boloboka masaky.21Ka da niakatry io lelahy io ka nisafo e tany avy agny akebakebatanin'i Sina ka hatragny Rehoba, akekin'i Lebo Hamata. 22Niakatra avy tagny Negeva indreo ary avy tagny Hebrona. Ahimana, Sesay, ary Talmay, gne foko avy amin'i Anaka da tao. Ary Hebrona da efa tafatsanga fito taona mialohan'i Zoana agny Egypta.23Rehefa avy tao ame Lohasahan'i Eskola indreo, da nanapaky sampamboaloboky. Nanin'e roy tamin-dreo kalajambola tame gn'angira izany. Ninday ampongaben-dagnitry sy aviavy evakoa indreo. 24Izany toera izany da nangia hoe Lohasahan'i Eskola, noho e sampam-boaloboky izay notapahan'e vahoakan'Israely tao.25Afaky efapolo andro, da nipody avy tagny am-pagnite e tany indreo. 26Nipody tagny amin'i Mosesy, Arona, ary gne fokon'olon'e vahoakan'Israely tagny akebakebatanin'i Parana, tagny Kadesy indreo. Ninday valin-teny tamin-dreo sy tame fokon'olo agnaby, ary nagnambara tamindreo e vokatry avy ao ame tany indreo.27Hoy indreo tamin'i Mosesy hoe: "Avy tagny ame tany izay nagnirahanao anay iahay. Tena tondra-dronono sy tantely marigny izany. Itoa gn'ampahany tame vokatry avy tao amin'izany. 28Ndre da izany aza, gn'olo izay magnano e fipetrahan-dreo ao da matanjaky. Gne tanà da mimanda sy midadasiky. Nahita e taranak'i Anaka tao evakoa iahay. 29Gne Amalekita mipetraky agny Negeva. Gne Hetita, Jebosita, ary gne Amorita da magnorigny e tragnon-dreo agny ame tany hambony. Gne Kananita da mipetraky egny amoron-dranomasina sy magnaraky e Ony Jordana."30Ary Keleba nampangy gne vahoaka izay teo agnatrehan'i Mosesy ka nagnano hoe: "Ôka iahay hiakatry ary hangala e tany ho fanagna, satria vitantsika marigny e mandresy izany." 31Fa gne lelahy hafa izay niaraky tamin-dreo nagnano hoe: "Tsy vitantsika e hanafiky gne vahoaka satria matanjaky noho isika indreo."32Ka da nagnely tatitry mahakivy tame vahoakan'Israely mikasiky e tany izay avy niteny indreo. Hoy indreo se: "Gne tany izay nitenay da tany mihina e mponiny. Gn'olo agnaby izay hitanay da zakabe sy matanjaky agnaby. 33Nahita gn'olo zakabe tao iahay, taranak'i Anaka, olo izay avy ame zakabe. Raha e fagnitenay manokana da akoy e valala isika raha ampitovisina amin-dreo, ary izany koa iahay raha e figniten-dreo."
1Nikora tamin'i Mosesy Yaveh. 2Hoy Izy hoe: "Mikoragna ame vahoakan'Isaraikiraiky ame fokon-draza, da tehina roy ambin'ny folo. Sorato eo ame tehiny agnaby gn'olo tsikiraikiraiky.3Ôka ho soratana eo eme tehin'i Levy gn'agnaran'i Arona. Tsy maintsy misy tehina raiky avy ame fokon-drazany ho an'e mpitariky tsiraikiraiky. 4Tsy maintsy apetrakao ao ame tragno-lay fihona eo agnatrean'e lalàgnan'e fagnekea, izay hihaognako aminao gne tehina.5 Ary e tehin'e gn'olo izay fidiko da hitsimoky. Hajanoko e fitaraigna avy ame gn'olo, izay ambarany hanohera anao."6Ka da nizaka tame vahoakan'Israely i Mosesy. Nagnome tehina anazy agnaby gne mpitariky ara-poko, tehina raiky avy ho an'e mpitariky tsiraikiraiky, iazy notendrena avy ame fokon-drazana isan'isany, tehina roy ambin'ny folo gne fitambarany. Tao agnatin'izany e tehin'i Arona. 7Avy eo da napetrak'i Mosesy teo agnatrehan'i Yaveh tao ame lain'e lalàn'e fagnekea gne tehina.8Gn'omarainigny da niditra tao ame lain'e lalàn'e fagnekea i Mosesy, ary io, nagnary e tehin'i Arona ho an'e fokon'i Levy. Nagniry kobory izany ary namoa vogniny sy amygdala!9 Netin'i Mosesy nijotso tsy ho eo agnatrehan'i Yaveh ho eo ame vahoakan'Israely manontolo gne tehina agnaby, ary samy nangala e tehiny aby gn'olo tsiraikiraiky.10Hoy Yaveh tamin'i Mosesy: "Apetraho eo agnatrehan'e lalàgnan'e fagneke e tehin'i Arona. Tahirizo ho famantaran-keroky hanohitry gn'olo izay nigrevy izany mba hagnajanognanao e fitaraigna manahitry Anahy, raha tsy izany da ho faty indreo." 11Nagnano araky izay nibekoan'i Yaveh anazy i Mosesy.12Nizaka tamin'i Mosesy e vahoakan'Israely ka nizaka hoe: "Ho faty isika. Ho lavo avokoa isika agnaby! 13Izay miakatry agnaby, izay magnato e tabernakelin'i Yaveh, da ho faty. Da tsy maintsy ho faty me isika agnaby?"
1Hoy Yaveh tamin'i Arona: "Anao, gne zanakao, ary gne fokon-drazanao da ho tompon'andraikitry ame fahota agnaby vita tame fipetraha masina. Fa anao sy gne zanakao raiky avao gne ho tompon'andraikitry ame fahota agnaby nanin'e gn'olo tao ame fisorona. 2Akoy e ame mpiara-mikamba aminao ame fokon'e Levy, gne fokon-drazanao, da ôka ho entinao miaraky aminao indreo mba hahazoan-dreo magnato anao sy magnampy anao agnaby manompo eo agnatrehan'e lain'e lalàgnan'e fagnekea anao sy gne zanakao.3Ôka hanompo anao sy e lay manontolo indreo. kanefa, ôka indreo tsy hagnakaiky gne rahà ao ame fipetraha masina na mifandray ame gn'alitara, fa ho faty indreo sy anao koa.4 Ôka hamonjy anao indreo ary hikarakara e tragno-lay fihaona, ho an'e asa agnaby mifandray ame lay. Ôka tsy hagnato eo akekinao gne vahiny. 5Ôka anao handray andreketry ho an'e fipetraha masina ary ho an'e gn'alitara mba tsy hevian'e fahavignirako eo ame zanak'Israely koa.6Io, Iaho mihitsy gne efa nisafidy gne Levita mpiara-mikamba aminao avy ame taranak'Israely. Fagnomeza ho anao indreo, efa nome Anahy mba hagnano gn'asa mifagnaraky ame tragno-lay fihogna. 7Saingy anao sy gne zanakao gne mety hagnano e fagnamboara sorona momba e rahà agnaby mindray ame gn'alita sy e rahà agnaby agnatin'e lamba. Anareo avao gne ôka mba hameno io andraikitry io. Hameko anao ho fagnomeza e fisorona. Izay vahiny magnakatoka da ao ho vonoy."8Da hoy Yaveh tamin'i Arona: "Io, efa nomeko anao gn'adidy fikirakira gne fanatitry asandratra Aminahy, sy gne fanatitramasina izay omen'e zanak'Israely Anahy. Efa nomeko anao sy gne zanakao ho anjaranao io fanatitra io. 9Itoa gne tena rahà masina, voaaro ame gn'afo: avy ame fanatitrin-dreo agnaby—e fanatitra hohany agnaby, e fanatitra nohon'e gn'ota agnaby, ary e fanatitra nohon'e heloky agnaby—tena masina ho anao sy ho an'e zanakao io.10Tena masina marigny gne; ôka hihina izany e lelahy agnaby, fa masina ho anao io.11 Itoa agnaby e fanatitry izay ho anao: anao itoa fagnomeza-ndreo toa, io fanatitra ahevahevan'e zanak'Israely agnaby. Efa nomeko anao indreo, gne zanakao lahy, sy gne zanakao viavy, ho anjaranao. E rehetra izay madio ame fombafomba ao ame gn'avanao da mahazo mihina amen'io fanatitra io.12E tsara indrindra ame menaky, e tsara indrindra ame divay vaovao sy e vary, e voloambokatry izay omen'e gnolo anahy—gne rahà agnaby da efa nomeko anao. 13Gne vokatr'izay agnaby izany antitry volohany izay eo ame tanin-dreo, da izay entin-dreo aty Aminahy, da ho hazonao. Izay madio agnaby ao ame gn'avanao da mahazo mihina an'io rahà io.14Gne rahà agnaby votoka ao Isrsaely da ho hazonao agnaby. 15Gne rahà agnaby izay mampivaha e bevoky, e volohan-daza agnaby izay emen'e gn'olo sy e biby mitambatry, da ho hazonao agnaby. Ndre da izany aza, ôka gn'olo hividy e zanaky lelahy volohany agnaby koa, ary ôka indreo oa hividy e lahan'e volohan-terak'e biby maloto. 16Gne izay vovidin'e gn'olo koa da ôka hamerigny hividy afaran'e faha raiky volana. Avy eo da afaky mividy andreo koa gn'olo, ame vidiny sekely dimy, araky e karazan-danjan'e sekely fipetraha masina, izay mitovy ame zeraha ropolo.17Fa e volohan-terak'e gn'aomby vavy, na e volohan-teraky gn'ondry, na e volohan-teraky gn'osy —ôka tsy hapodidinareo ho Anahy io. Ôka hamafy e ràn'io do ame gn'alitara anao ary hagnoro e saboran'izy io ho fanatitra niny tame gn'afo, hagnatitry ankatsitrahan'i Yaveh.18 Gne henan'izy io da ho anao. Akoy e tratra sy e tsobeny ankavana nasandratra, da ho anao e henan'izy io.19Gne fanatitra masina agnaby izay atolotry gn'olo amin'Yaveh, da efa nome anao, sy gne zanakao lelahy ary gne zanakao viavy miaraky aminao, ho zara mitohitohy. Fagneke maharitra mandrakizay ame sira izany, fagneke mamehy mandrakizay, eo agnatrehan'i Yaveh ho anao sy gne taranakao miaraka amianao."20 Hoy Yaveh tamin'i Arona: "Tsy hana lova ao ame tanin'e vahoaka anao, na hana gna'anjara ame fanagna eo ame vahoaka. Iaho gne anjaranao sy lovanao ame vahoakan'Israely.21Ho an'e taranak'i Levy, io, efa nagnome gn'ampahafolon-karena agnaby ao Israely ho lovan-dreo ho valin'e gn'asa izay omen-dreo ame fiasa ao ame tragno-lay fihaona Iaho.22 Manomboka izao da ôka e vahoakan'israely tsy ho avy agnakeky e tragno-lay fihaona, fa ho tompon'andraikitra amin'izany fahota izany indreo ary ho faty.23Ôka gne Levita hagnano gn'asa mifagnaraky ame tragno-lay fiahona. Ho tompon'andraikitra ame fahota magnodidy izany indreo. Ho lalà maharitry nagnera io taranak'e vahoakanao izany. Ôka tsy hanan-dova eo ame zanak'Israely indreo.24 Satria gn'ampahafolon-karenan'e vahoakan'israely, izay nomen-dreo ho e fandresa anjara aty Aminahy—io gne efa nomeko an'e Levita ho lovan-dreo. Izany gne nozakako tamindreo hoe: 'Ôka tsy hana lova eo ame zanak'Israely indreo."'25Yaveh nikora tamin'i Mosesy ary nagnano hoe: 26"Ôka anao hikora ame Levita ary hizaka amindreo hoe: 'Rehefa mangala gn'ampahafolo izay avy ame zanak'Israely izay efa nomeko anao avy amindreo ho lovanao anao, da hagnambara fandresa anjara avy amin'izany ho an'i Yaveh, ampahafolony ame fahafolon-karena. 27Gne fandresanao anjara da ôka ho resinao akoy e hoe ampahafolon'e doria ame fikororoha na e famokara avy ame famiazam-boloboky izany.28Ka ôka evakoa anao hanano fandresa anjara amin'i Yaveh avy ame gn'ampahafolon-karena izay resinao avy ame vahoakan'Israely. Fa avy amindreo gne tsy maintsy hagnomeza gn'anjarany ho an'i Arona mpisorona. 29Ankoatra e fagnomeza agnaby resinao, ô hagnano e fagnomeza anjara amin'i Yaveh anao. Ôka hagnano izany anao avy ame rahà tsara sy masina indrindra izay efa nome anao.'30Noho izany da ôka anao hizaka amin-dreo hoe: 'Rehefa magnome e tsara indrindra amin'izany anareo, da ôka handiniky ho an'e Levita ho akoie vokatry avy ame fikororohana sy e famiazam-boloboky izany. 31Da mahazo mihina gn'ambin'e fagnomenareo ame toera agnaby anareo, anareo sy e gn'avanareo, satria izany gne karamanareo ho tambin'e gn'asanareo tao ame tragno-lay fihaona. 32Tsy ho ratsy amin'izay heloky tame fihinana sy findranoma izany anareo, raha tsy efa nagnambara tamin'i Yaveh e tsara indrindra avy amin'izay efa noresinareo. Fa ôka anareo tsy hagnaratsiratsy gne fanatitra masin'e vahoakan'Israely, raha tsy izany da ho faty anareo."'
1Nizaka tamin'i Mosesy sy Arona i Yaveh. Hoy Izy hoe: 2"Iaho gne lalàgna izay ibekoako anareo: Zakay e vahoakan'e Israely fa tokony hinday aomby vavy kedy mena tsy misy kilema eo aminareo indreo, ary izay tsy mbola nasia zioga.3Omeo an'i Eleazara mpisorona gn'aombivavy kidy. Hinday izany agny ambandik'e toby izy, ary hisy olo hamono izany eo agnatrehany. 4Eleazara mpisorona da hangala kidy ame ràn'izany ame tagnany ary hamafy izany impito eo alohan'e tragno-lay fihaona. 5Gne mpisorona hafa da hagnoro gn'aombivavy kidy eo amasony. Hagnoro e darony, e nofony, ary ràny miaraky ame tainy izy. 6Ôka e mpisorona hangala hazo sedera, hysopa,sy volon'ondry mena, ary hanoraky izany eo antegnategnan'e aombivavy kidy mirehitry.7Avy eo da tsy maintsy manasa gn'ankanjony sy mandro ame rano izy. Ary mba ho afaky handeha eo ame toby, izay hipetrahany maloto mandra-pahariva ny gn'andro izy. 8Izay nagnoroa gn'aombivavy kidy da hanasa gn'akanjony ame rano ary handro ame rano. Hipetraky maloto mandra-pahariva ny gn'andro izy.9Gn'olo izay madio da handagno gne lakevon'e gn'aombivavy kidy ary hagnampetraky izany eo ame toera madio ambadik'e toby. Gne lakevo da hompia ho an'e fiarahamonin'e vahoakan'e Israely. Hagnafangaro gne lakevo ame rano fagnadiova ame fahota indreo, satria gne lakevo da avy ame fanatitra noho gn'ota.10 Izay nandagno e lakevon'e gn'aombivavy kidy da hanasa gn'akanjony. Hipetraky maloto isan'andro Izy. Izany da ho lalàgna maharitra ho an'e vahoakan'Israely ary ho an'e vahiny izay mipetraky miaraka amindreo.11Ndre ia ndre ia mikasiky fatin'olo da haloto mandritry e fito andro. 12Izany olo izany da tsy maintsy magnadio e tegnany ame gn'andro fahatelo sy ame gn'andro fahafito. Da hadio izy. Fa raha tsy magnadio e tagnany ame gn'andro fahatelo izy, da tsy hadio izy ame gn'andro fahafito.13 Ndre ia ndre ia mikasiky fatin'olo, e vatan'e gn'olo izay efa maty, ary tsy magnadio e tegnany—izany olo izany da mandoto e tabernakelin'i Yaveh. Izany olo izany da hofongory eo amin'Israely satria tsy nafafy taminazy e rano ho an'e fahalotoa. Hipetraky maloto izy; e fahalotoa da hipetraky aminazy.14Izao gne lalàgna raha misy olo maty ao an-day. Izay agnaby mandeha ame lay sy izay efa tao ame lay agnaby da haloto mandritry e fito andro. 15Gne fipetrahan-drahà mivoa agnaby tsy misy fognony da haloto.16 Akoizany koa, ndre ia ndre ia agny ambadik'e lay ka mikasiky olo izay matin'e sabatra, na fatin'olo hafa, na tolan'olo, na kobory—izany olo izany da haloto mandritry e fito andro.17Anio ho an'e gn'olo maloto izao: Mangalà lakevo avy ame fanatitra horia nohon'e gn'ota ary afangaroy ao agnaty siny miaraka ame rano io. 18Gn'olo izay madio hangala hysopa, ifarombaky izany ao agnaty rano, ka hamafy izany eo ame lay, eoame fipetrahan-drahà agnaby ao agnatin'e lay, ame gn'olo izay eo, ary amin'izay agnaby nikasiky e tola, izay vôvono, izay maty, na e kobory. 19Ame gn'andro fahatelo sy ame gn'andro fahafito, gn'olo madio da hamafy izany ame gn'olo maloto. Ame gn'andro fahafito gn'olo maloto da hagnadio e tegnany. Hanasa gn'akanjony sy handro ame rano izy. Hadio izy ame hariva.20Fa izay agnaby mipetraky maloto, izay mandà tsy hagnadio e tegnany—izany olo izany da hofongory eo ame fiarahamonina, nohon'e fandotoany e fipetraha masin'i Yaveh. Tsy nafafy taminazy e rano ho an'e fahalotoa; hipetraky maloto izy. 21Ho lalàgna mitohy mikasiky gne toe-javatry io izany. Izay mamafy e ranon,e fahalotoa. Izay mikasiky e ranon'e fahalotoa da haloto lala-dava. 22Ndre ino ndre ino kasihin'e gn'olo maloto da haloto izany. Gn'olo izay mikasiky izany da haloto mandrakizay."
1Rehefa ren'e Kananita mpanjakan'i Arada, izay nipetraky tao Negeva, fa nandeha tagny ame lala mandeha agny Atarima e Israely, da niady tamin'Israely izy ary nangala e sasany tamin-ndreo ho babo. 2Nivoady tamin'i Yaveh e Israely ary nagnano hoe: "Raha omenao fandrese amin'io vahoaka io iahay, da ho potehinay tanteraky e tanànan-dreo." 3Niteno e feon'Israely i Yaveh ary nagnome andreo e fandresea an'e Kananita. Nopotehin-dreo tanteraky indreo sy e tanànany. Nangia hoe Horma izany toera izany.4Niala avy ao ame-Mokombohitry Hora nandalo e lala mandeha agny ame Ranomasy Mena indreo mba handeha hagnodidy e tanin'i Edoma. Niha-kivy tanteraky e vahoaky tegny an-dala. 5Nikora nanaitry an'Andriamanitra sy Mosesy e vahoaky hoe: "Nagnino iahay gne netinao niakatry hinjotso an'i Egypta mba ho faty an-kebakebany? Tsy misy mofo, tsy misy rano, ary halanay ity sakafo ratsiratsy ity."6Avy eo Yaveh nandefa bibilava misy poizy teo ame vahoaka. Nagnifatry gn'olo gne bibilava; moro gn'olo maty. 7Nagnato an'i Mosesy e vahoaka ary nagnano hoe: "Nagnota iahay satria nikora nanohitry anao sy Yaveh. Mivavaha amin'i Yaveh mba hangalany gne bibilava aminay." Ka nivavaka ho an'e vahoaka i Mosesy.8Hoy Yaveh tamin'i Mosesy hoe: "Magnambora bibilava ary hafoleto ame hazo lava izany. Izay agnaby vohifatry da ho velo, raha magnety izany izy." 9Ka nagnano bibilava varahina Mosesy ary namolotry izany tame hazo lava. Raha magnifatry olo e bibilava, raha nagnety gne bibilava varahina izy, da velo.10Avy eo nandeha e vahoakan'Israely ary nitoby tao Obota. 11Nandeha avy tao ary nipetraky tagny Leabarima tagny an-kembakeba-tany izay magnatriky an'i Moaba tandrifin'e gn'atsignana indreo.12Niala avy tao indreo ary nitoby tany ame Lohasahan-driaka Zareda. 13Niala tao indreo ary nipetraky ambadikin'ny Reniran'i Arnona, izay agny an-kebakebatany izay mihitatra avy agny ame fari-tanin'e Amorita. Gne Reniranon'i Arnona no fari-tanin'i Moaba, agnelagnelan'e Moabita sy gne Amorita.14Izany gne antony hizakanao ao ame horonan-taratasin'e Adin'i Yaveh hoe: "Vaheba agny Sofa, ary gne lohasahan-driakan'i Arnona, 15e antsan'e lohasahan-driaka izay mitarika mandeha agny ame tanànan'i Ara ary midigny mandeha agny ame fari-tanin'i Moaba."16Niala tao indreo ary nandeha agny Bera, izay misy gne fangalarano izay nizakan'i Yaveh tamin'i Mosesy hoe: "Alagno miaraka e vahoaka mba hagnomeza rano andreo."17Avy eo nikalo ity hira ity e Israely: "Miboiboiha, ry fangalarano. Anio an-kira izany. 18Gne fangalarano izay nohadin'e mpitarikitsika, gne fangalarano izay nohadin'e manan-kajan'e vahoaka tame tehim-panjakana sy tehin-dreo." Avy eo da niala tao akebakebatany indreo ary nandeha agny Matana.19Niala tao Matana indreo ary nandeha agny Nahaliela, ary avy ao Nahaela nandeha agny Bamota, 20ary avy ao Bamota nandeha agny ame lohasahan-driakan'e tany Moaba. Eo an-tampon'e Mokom-bohitry Pisga gne hahatsijova e tany dezaky.21Avy eo Israely nandefa mpinday hafatry tagny amin'i Sihona mpanjakan'i Amorita nagnano hoe: 22"Avelay iahay hamakivaky eo ame taninao. Tsy hieliky agny ame saha agnaby na e tanim-boloboka iahay. Tsy hinindrano e rano avy eo ame ranobokinao iahay. Handeha eo ame lalan'e mpanjaka iahay mandra-pitsakianay e faritaninao." 23Fa tsy navelan'i Sihona mpanjaka handalo e fariti-tanin-dreo e Israely. Fa kosa, nandagno e tafiny i Sihona mpanjaka ary nanafika an'Israely tagny ame tany dezaky. Avy tagny Jahaza izy, izay niadiany tamin'Israely.24Nanafiky e tafik'i Sihona tame lela-tsabatra e Israely ary nangala e tanin-dreo avy eo Arnona ka hatry agny ame renirano Jaboka, hatragny ame tanin'e vahoakan'i Amona. Ary mahery e fari-tanin'e vahoakan'i Amona. 25Nangala gne tanànan'e Amorita agnaby e Israely ary nipetraky tao aminazy agnaby, agnatin'izany Hesboba sy e zana-bohiny agnaby. 26Hesbona gne tanànan'i Sihona mpanjakan'e Amorita, izay niady tame mpanjakan'i Moaba teo aloha. Nalain'i Sihona agnaby e taniny hatragny ame fari-taniny ka hatragny ame Reniranon'i Arnona.27Izany gn'anton'e hizakan'e izay miresaky ame ohabola hoe: "Avia aty Hesbona. Ôka gne tanànan'i Sihona ho hatsanga koa ary ho apetraky koa. 28Nisy afo nagnoro avy ao Hesbona, lelan'afo avy ao an-tanànan'i Sihona izay nandevona an'i Aran'i Moaba, sy gne tompon'e toera abon'i Arnona.29Loza ho anao, ô Moaba! Lavo anao, ô olon'i kemosy. Naniny ho mpilefa gne zanany lelahy ary gadran'i Sihona mpanjakan'e Amorita gne zanany viavy. 30Fa resinay Sihona. Hesbona da rava hatragny ame lala agnaby mandeha agny Dibona. Resinay indreo tegny ame lala agnaby mandeha agny Nofo, izay mahazo an'i Medeba."31Ka nanomboky nipetraky teo ame tanin'e Amorita e Israely. 32Avy eo Mosesy nandefa olo hagnety an'i Jazera. Nalain-dreo e zana-bohitriny ary noroahin-dreo izay Amorita tao.33Avy eo niheliky indreo ary niakatry ho agny ame lala mandeha agny Basana. Nijotso namaly andreo i Oga mpanjakan'i Basana, izy sy e tafikiny, mba hiady amin-dreo agny Edrehy. 34Avy eo Yaveh nizaka tamin'i Mosesy hoe. "Aza matahotry anazy, satria nomeko fandresea eo aminazy, e tafikiny agnaby, ary e taniny anao. Anio ame izay naninao tamin'i Sihona mpanjakan'i Amorita, izay mipetraky agny Hesbona." 35Ka novonin-dreo izy, gne zanany lelahy, ary tafikiny agnaby, mandra-pahafatin'e gn'olo agnaby. Avy eo da nalain-dreo e taniny.
1Ary gne mpitariky e fianakavian-drazamben'e fianakavim-ben'i Gileada zanak'i Makira (izay zanak'i Manase), izay avy ame fokon'e taranak'i Josefa, da avy ka nizaka teo agnatrehan'i Mosesy sy teo agnatrehan'e mpitariky izay lohan'e fianakavian-drazamben'e vahoakan'e Israely. 2Hoy indreo: "Yaveh gne nibeko anao, ô tomponay, mba hagnome anjara tany ho an'e vahoakan'e Israely ame filoka. Nobekognin'i Yaveh anao mba hagnome gn'anjaran'i Zelofada rahalahanay ho an'e zanany viavy.3Nefa raha manambady lelahy avy ame fokon'e vahoakan'e Israely hafa gne zanany viavy, da halany tsy ho anjaran'e razambentsika gn'anjaran-dreo. Hagnampy gn'anjaran'e foko izay andehanan-dreo izany. Amin'izany, da halany tsy ho anjara votendry ho lovantsika izany. 4Amin'izany, rehefa avy e taon-jobilin'e vahoakan'e Israely, da hikamba ame anjaran'e foko izay nandehanan-dreo gn'anjarany. Ka izany, gne hangala gn'anjaran-dreo ame gn'anjaran'e fokon-drazambentsika.5Da nagnome beko e vahoakan'ny Israely, tame zakan'i Yaveh i Mosesy. Hoy izy: "Marigny e vozakan'e fokon'ny taranak'i Josefa. 6Izany gne ibekoan'i Yaveh mikasiky gne zanak'i Zelofada viavy. Hoy Izy: 'Avelay indreo hanambady izay heveriny fa tsara, nefa hanambady izay ao ame fokon-drainy avao indreo.'7Tsy misy anjaran'e vahoakan'e Israely hiova foko ho ame foko hafa. Gne tsiraikiraiky ame vahoakan'e Israely da hita gn'anjaran'e fokon-drazambeny.8E viavin'e vahoakan'e Israely tsiraikiraiky izay manan-jara ao ame fokony da tsy maintsy manambady olo avy ame fianakaviamben'e fokon-drainy. Izany da mba hanagnan'e tsiraikiraiky ame vahoakan'e Israely lova avy ame razambeny. 9Tsy tokony hisy anjara hifindra tagna ho an'e foko hafa. Gn'olo agnaby ame fokon'e vahoakan'e Israely da hita e lovany avao."10Da nagnano araky izay nibekoan'i Yaveh an'i Mosesy gne zanak'i Zelofada viavy.11 Mahala, Tirza, Hogla, Milka, ary Noa, gne zanak'i Zelofada viavy, da nanambady e taranak'i Manase. 12Nanambady tao ame fianakamben'e taranak'i Manase zanak'i Josefa indreo. Ka izany, gne nipetrahan'e lovan-dreo ta ame foko izay an'e fianakavimben-drain-dreo.13Io gne didy sy lalàgna izay nomen'i Yaveh tame gn'alalan'i Mosesy ho an'e vahoakan'ny Israely teo ame lemak'i Moaba amorin'i Jordana tao Jeriko.
1Ary nimpody ka nanohy gne dianay nandaha agn'efitry mandeha agny amè Ranomasy Mena iahay, araka gne nozakain'i Yaveh taminahy; da nandeha nagnodidy gne vohitry Seira nandritry gn'andro maro iahay. 2Ary nikora taminahy i Yaveh hoe: 3'Efa ampy gne fotoa lava nandehanareo nagnodidy ity vohitry ity; fa mandehana megnavaratry.4Bekoy gn'olo, magnano hoe: "Mila mandalo gne sisin-tanin'ge rahalahinareo anareo, da gne taranak'i Esao, izay mipetrany agny Seira; hataotry anareo indreo. Noho izany mitandrema5 mba tsy hiady amindreo, fa tsy homeko amè tanin-dreo anareo, ndre da tany erany gne lelatombiky hamindrany gne tombony aza; satria efa nomeko an'i Esao ho fanagnany gne Vohitry Seira.6Vola gne hividiananao sakafo amindreo, mba hahafahanao mihina; vola evakoa gne hividiananao rano amindreo, mba hahafahanao minondrano. 7Satria Yaveh Andriamanitrao da nitahy anao tamy gn'asany gne tagnanao agnaby; efa fantany gne fandehananao amin'ity tany efitra zakabe ity. Satria niaraky taminao Yaveh Andriamanitrao nandritr'izay efa-polo taona izay, tsy ory ndre ino ndre ino anao.'"8Ka da nandalo tagny amè taniny gne rahalahintsika isika, da gne taranak'i Esao izay mipetraky agny Seira, lavitry gne lalan'i Araba, avy agny Elata sy avy agny Ezion-Gebera. Avy eo niverigny isika ka nandalo teo amè lala mandeha amy gne efitr'i Moaba.9Hoy Yaveh taminahy hoe: 'Ka magnakota an'i Moaba, ary ka miady amindreo. Fa tsy homeko anao ho fanagnanao gne taniny, satria Ara efa nomeko gne taranak'i Lota, ho fanagnandreo.'10(Nipetraky tagny gn'Emima taloha tagny, izay firenena zakabe, maro agn'isa, ary lava akoy gne Anakita; 11noresina akoy gne Refaita evakoa io, akoy gne Anakita ; fa nangiany gne Moabita hoe Emima indreo.12Nipetraky tagny Seira evakoa gne Horita taloha, nefa norohasy gne taranak'i Esao indreo. Nalavony tsy ho eo agnatrahan-dreo ka nipetraky teo amy gne toerandreo, akoy gne nanin'Israely tamy gne tany izay nomen'i Yaveh andreo.)13"'Amizao fotoa zao mitsangana ary mandehana agny amè lohasahan-driaka Zareda.' 14Ary gn'andro nandehananay avy agny Kadesi-Barnea hatragny amè lohasahan-driaka Zareda, da naharitra valo amby telo-polo taona. Tamizany andro izany gne nahalasa gne lelahy mpiady tamin'io taranaka io teo amy gn'olo, araky gne nitangegnan'i Yaveh taminareo. 15Fagnampin'izany, nanohitry izany taranaka izany gne tanan'i Yaveh mba andavo andavoa andreo tsy ho eo amy gn'olo mandra-pahafatindreo.1616 Ka da izao gne niboda, rehefa maty gne lelahy mpiady ka niala teo amè gn'olo, 17da nikorà taminahy i Yaveh, nagnano hoe: 18'Amizao fotoa izao anao da handalo an'i Ara, moron'i Moaba. 19Rehefa magnakeky gne tanin'i Amona anao, da ka magnakorota na mila ady amindreo; fa tsy hagnome anareo gne tanin'ny vahoakan'i Amona ho fanagnana iaho; satria efa nomeko an'gne taranak'i Lota ho fanagna izany."'20(Izany evakoa da resiny ho tanin'i Refaita. Efa nipetraky teo gne Refaita taloha tagny—fa gn'Amorita nangaiky endreo hoe Zamzomita — 21firenena zakabe, maro agn'isa, ary lava akoy gne Anakita. Fa Yaveh nandavo andreo tsy ho eo agnatrehany gn'Amonita, ary noresin-dreo ka nipetraky teo amy gne toerandreo. 22Akoy zany koa gne namboarin'i Yaveh tamin'i Esao, izay nipetraky tagny Seira, rehefa nandavo gne Horita tsy ho eo agnatrehan-dreo, ka nandroky endreo gne taranak'i Esao ary nipetraky teo amy gne toerandreo mandrak'androany.23Ary gne amè Avita izay nipetraky tagny amy gne tanà lavitry akoy i Gaza, da nopotehiny gne Kaftorita, izay avy agny Kaftora indreo, ka nipetraky tao amy gne toerandreo.)24Amizao fotoa zao mitsangàna, mandehana amy gne dianareo, ary mandalova agny amy gne lohasahan'i Arnona; io, nalotro eo am-pelatagnanao i Sihona gn'Amonita, mpanjakan'i Hesbona, sy gne taniny. Santaro gne fanagnanao, ary media aminazy. 25Amizao da hanomboka hagnapetraky gne tahotry sy horohoro anao eo amè gn'olo izay ambanin'e lagnitry raiky agnaby iaho; aharehy vaovao mikasiky anao indreo ary hangitakitaky sy hangorohoro nohon'ny gn'aminao.'26Nagniraky mpitondra hafatry avy agny agn'efitr'i Kedemota iaho mandeha amin'i Sihona, mpanjakan'i Hesbona, niaraky tamè zaka fihavana, magnano hoe: 27'Avelay iaho handalo eo amy gne taninao; fa magnaraka e lalambe gne handehanako; ary tsy hieliky hiankavia na hiankavana iaho.28Vola gne hividianako hany aminao, mba hahafahako mihina; vola gne hividianako rano, mba hahafahako minondrano; avelay fotsiny iaho handeha; 29araky gne naniny gne taranak'i Esao izay mipetraky agny Seira, sy gne Moabita izay mipetraky agny Ara taminahy; mandra-pialako an'i Jordana mandeha amy gne tany izay omen'i Yaveh Andriamanitray ho anay.'30Fa Sihona, mpanjakan'i Hesbona, da tsy nagnevela antsika handalo eo aminazy; satria i Yaveh Andriamanitrao da nagnamafy gne sainy sy nagnamafy gne fony, mba hahafahany mandresy anazy amy gn'herinao, izay efa naniny amizao.31 Hoy Yaveh taminahy hoe: 'Io, efa nanomboka nanolotry an'i Sihona sy gne taniny teo agnatrehanareo Iaho; santaro gne fanagna izany, mba hahafahanareo mandova gne taniny.'32Avy eo Sihona avy namaly antsika, izy sy gne vahoakany agnaby, mba hiady agny Jahaza. 33Fa nomen'i Yaveh Andriamanintsika tamintsika izy ka resintsika; novonointsika ho faty izy, sy gne zanany lahy, ary gne vahoakany.34Nalaintsika agnaby gne tanànany tamizany fotoa zany ary nalavontsika tanteraky agnaby gne tanà —gne lahy sy vavy ary gne madiniky; tsy nisy navelantsika ho velo. 35Gne biby fiompy izay azontsika, niaraky tamy gne fanagna tao amè tanà avao gne nalaintsika.36Hatragny Aroera, izae agny amè sisin'e lohasahan'i Arnona, ka hatragny amè tanà izay agny amè lohasaha, ka hatragny amè lala agnaby mandea agny Gileada, da tsy nisy tanà aba lotry ho antsika. Yaveh Andriamanintsika da nagnome fandrese ho antsika t amè fahavalo teo agnatrehantsika. 37Tagny amè tanà gne taranak'i Amona avao gne tsy nandehananao, mbamy gne sisin'e renirano Jaboka agnaby, sy gne tanànan'ny ambony—ndre taia ndre taia noraràn'i Yaveh Andriamanitray tsy ho alehantsika.
1Ary niverigny iavay ka nandeha t amè lala mandeha agny Basana. Oga, gne mpanjakan'i Basana, avy sy nanafiky anay, izy sy gne vahoakany agnaby, mba hiady ao Edrehy. 2Hoy Yaveh taminahy hoe: 'Ka mataotry enazy; satria efa nomeko fandresea teo aminazy anareo ary efa nagnapetraky gne vahoakany sy gne taniny teo ambany fahefanareo Iaho. Ho aninareo aminazy izay naninareo tamin'i Sihona, mpanjakan'i Amorita, izay mipetraka agny Hesbona.3Ka nomen'i Yaveh Andriamanitra anay gne fandresea an'i Oga mpanjakan'i Basana, ary gne vahoakany agnaby da naniny teo ambany fahefanay. Novonoinay izy agnaby mandrapaha-tsy nisy tavela esanaky gne vahoakany. 4Nalainay agnaby gne tanànany tamizany fotoa zany; tsy nisy tanà izay tsy nalainay tamindreo: tanà enimpolo—gne faritr'i Argoba agnaby, gne fanjakan'i Oga ao Basana.5Io tanà agnaby io da voaaro tsara tamy gn'alalan'ny manda ambony, vavahady, ary hidy mafy; afa-tsy vohitry maro izay tsy manda. 6Noravanay tanteraky indreo, akoy gne namboarinay tamin'i Sihona mpanjakan'i Hesbona, norava tanteraky gne tanà agnaby—gne lelahy sy gne viavy ary gne zaza. 7Fa gne tezaraha agnaby sy gne fanagna tao amin'io tanà io kosa, da nalainay mba ho fanagnanay.8Tamizany fotoa izany gne nangalanay gne tany teo am-pelatagnan'e mpanjaka roin'i Amorita, izay tagny an-dafin'i Jordana, miala eo amè Lohasahan'i Arona hatragny amè vohitry Hermona9 (Vohitry Hermona izay nangian'i Sidoniana hoe Siriona, ary nangiany gn'Amorita hoe Senira) 10sy gne tanànnan'e tany epeky agnaby, Gileada agnaby, ary gne Basana agnaby, gne lala agnaby mandeha Saleka sy Endrehy, gne tanànan'e fanjakan'i Oga Basana."11(Tamè sisa velo tamin'e Refaita, da i Oga mpanjakan'i Basana raiky avao sisa gne tavela. Io! Gne fandriany da fandria vy. Izy me tsy tany Raba, tany amy gne nipetrahan'e taranak'i Amona me izany? Sivy hakiho gne halavany ary efatry hakiho gne sakany, araka gne fomba fandrefesan'e gn'olo.)12Gny tany izay nalainay ho fanagna tamizany fotoa izany-tamin'i Atoera, izae teo amorin'e Lohasahan'i Arnona, gne antsasaky gne hambonin'e tanànan'i Gileada, sy gne tanàny—da efa nomeko an'e Reboniky sy gne Gedita. 13Gne Gileada sisa tavela sy Basana agnaby, gne fanjakan'i Oga, da nomeko gne antsasaky gne fokon'i Manase: gne faritr'i Argoba agnaby, sy Basana agnaby. (Izany faritany izany avao gne angia hoe tanin'e Refaita.)14Jaira, taranak'i Manase, da nangala gne faritr'i Argoba agnaby hatramin'i Gesorita sy Makatita. Gne faritry agnaby, egny fa ndre i Basana koa, da nangiany tamy gn'agnarany manokana hoe: Havota-jaira androany.)15Nomeko an'i Makira i Gileada. 16Gne Robenita sy gne Gadita da nomeko gne tany manomboky eo Gileada ka hatragny amè Lohasahan'i Arnona —gn'ategnategnan'e lohasaha gne fari-taniny gne faritra—ary hatragny amè Renirano Jaboka, izay fari-tanin'e taranak'i Amona.17Fari-taniny hafa evakoa gne tany epeky gne Lohasahan-dreniranon'i Jordana, manomboky eo Kireneta hatragny Ranomasin'i Araba (izany hoe: gne Ranomasin-tsira) hatragny amy gne hantsan'e Vohitry Pisga atsignana.18Nandidy anareo iaho tamizany fotoa izany, nagnano hoe: 'Yaveh Andriamanitrareo da efa nagnome anareo ity tany ity mba ho lova; anareo, izay voaoma ho an'e gn'ady agnaby, da hitam-piadia hita eo magnatriky gne rahalahinareo, gn'olon'Israely.19Fa gne vadinareo, gne zanakareo, sy gne teza rahanare (Fantako fa mana tezaraha maro be enareo), da hipetraky amy gne tanànanareo izay efa nomeko anareo, 20mandra-pagnomen'i Yaveh fijanogna ané rahalahanareo, akoy gne naniny anareo, mandra-pahanagnadreo gne tany izay omen'i Yaveh Andriamanitrao andreo agny ambadik'i Jordana; avy eo anareo, anareo agnaby, hiverigny ho agny amè fanagnanareo manokana izay efa nomeko anareo.'21Nandidy an'i Jesoa iaho tamizany fotoa zany, nagnano hoe: "Io gne masonao da efa nahita agnaby izay nanin'i Yaveh tamin'io mpanjaka roy io; Yaveh da hagnano akoizany amy gne fanjaka agnaby izay hitànareo.22Tsy hataotry endreo anareo, satria Yaveh Andriamanitrareo gne e raiky izay hiady ho anareo."23Nangataky tamin'i Yaveh iaho tamizany fotoa izany, nagnano hoe : 24 "O ry Tompo Yaveh, nanomboky nagnambara gne hazakabenao sy gne tagnanao mahery tamè mpanomponao anao ; fa aia agny an-dagnitry na ety an-tany gne misy Andriamanitra afaky magnano an'io asa akoy gne efa naninao, sy io asa mahery akoy izany? 25Avelay iaho hita, magnano azafady aminao iaho, ka hahita gne tany tsara izay agny ambadik'i Jordana, e havanao tsaran'e tanà, ary Lebanona evakoa."26Fa vignitry tame enahy i Yaveh noho anao; tsy niteno enahy Izy. Hoy Yaveh taminahy hoe: ''ôka ho ampy anao ity-ka mikora maro aminaihy mikasiky izany olana zany: 27miakara agny amè faran'ambonin'i Pisga ary ampagniteo agny akandrefa, agny avaratry, agny atsimo, ary agny antsiagna e masonao; iteo amè masonao, satria tsy hita an'i Jordana anao.28Nefa kosa, ampenaro i Josoa ary ampaherezo sy hatanjaho izy, satria izy gne handeha magnatriky gn'olony, ary hahatonga andreo handova gne tany izay ho hitanao." 29Noho izany da nijano tao amè lohasaha agnilan'i Beti-Peora iaha.
1Amizao fotoa zao, ry Israely, mitenoma gne lalàgna sy gne didy izay ho ampenariko anareo, ho aninareo; mba hahavelomanareo sy hidiranareo ka angalanareo e tany izay homen'i Yaveh gne Andriamanitra e razanareo anareo. 2Ôka anareo tsy agnampy gne zaka izay hibekoako anareo, na hangala amizany, mba hitandremanareo io lalàn'i Yaveh Andriamanitrareo izay hibeko anareo.3Gne masonareo da efa nahita izay nanin'i Yaveh noho Bala-Peora; satria gn'olo agnaby izay nagnaraky an'i Bala-peora, da nalavon'i Yaveh Andriamanitrao hiala teo aminao. 4Fa anareo izay tsy niala tamin'i Yaveh Andriamanitrareo koa da mbola velo amizao fotoa zao, agnaby gn'aminareo.5Io nampianatry didy aman-dalagna anareo iaho, araky gne nibekoan'i Yaveh Andriamanitro enahy, fa tokony hagnano izany eo antegnategnan'e tany izay hidiranareo mba ho azonareo anareo. 6Ka tandremo izany ka anio; fa izany gne fahendre sy fahazavan-tsainareo eo amè mason'olo izay hiteno io didy agnaby io ka hagnano hoe: 'Azo antoky fa vahoaka hendry sady manam-pahalala ity firenena zakabe ity.'7Fa ia gne firenena zakabe hafa izay mana Andriamanitra akeky enazy marigny, akoy i Yaveh Andriamanintsika isaky gne mangaiky Enazy isika ? 8Fa ia gne firenena zakabe hafa izay mana didy aman-dalàgna marigny akoy ity lalàgna izay ampetrako magnatriky etoa androany etoa ity?9Fa mitandrema ary embeno tsara gne tagnanareo, mba tsy hagnadignonao gne raha izay hitan'e masonao, ary mba tsy hiala gne fonao amy gn'androm-piainanao manontolo izany. Nefa, ampahafantaro amè zanakao sy gne zafinao izany. 10Tamizany andro zany nitsangananao teo agnatrehan'i Yaveh Andriamanitrao tagny Horeba, da nagnambara taminahy Yaveh hoe: 'Vorio ho Anahy gne vahoaka, ary Iaho hagnambara andreo gne zakako, mba henaran-dreo hahatahotry Enahy amy gn'andro-piainan-dreo agnaby eto an-tany, ka hahafan-dreo mampianatry e zanany.'11Da nagnakeky anareo ary nitsanga teo am-potry gne vohitry. Nirehitry afo nanakatry gne hahabon'e lagnitry gne vohitry, niaraky tamè gn'amisigna, mika, ary aizim-pito matevy.12Nizaka taminareo avy tao ategnategnan' e gn'afo i Yaveh; nahare gne feo tamy gne zaka anareo, nefa tsy nahita endriky; nahare feo fotsiny avao anareo.13Nagnambara taminareo gne fagneke izay naniny hampiharinareo Izy, da e Didy Folo. Nosoratany tamè vato fisaky roy izany. 14Nibeko enahy hampianatry anareo e didy sy beko Yaveh tamin'izany fotoana izany, mba hagnanovanareo izay agny amy gne tany izay hiampitanareo ka halainareo ho fanagna.15Ka mitandrema tsara—fa tsy karazan' endriky anareo tamizany andro nikoragnan'i Yaveh taminareo tao Horeba avy tao ategnategnany gn'afo izany— 16mba tsy hamilavila tegna anareo ka agnambotry sary sikitry mitovy endrika amizay mety ho voahary agnaby, da endrik'olo lahy na vavy, 17na mitovy endriky amizay mety ho biby agnaby eto an-tany, na mitovy endriky amizay biby managn'elatry ary mandrembo egny amy gne lagnitry, 18na mitovy endriky amizay raha agnaby izay mandady amè tany, na mitovy endriky amè vily agny agnaty rano ambany tany.19Ôka gne masonao tsy hiandrandra gne lagnitry ary hagnety gne masoandro, gne vola, na gne kinta—gne raha agnaby egny amè lagnitry—ka ho vororotra hivavaky amin'io sy hanompo an'io—gne raha izay nagnomezan' Yaveh Andriamanitrao anjara ho an'e firenena agnaby ambanin'e lagnitry. 20Fa i Yaveh nangala anareo ka ninday anareo niala avy tao amy gne fata famandrendrem-by, dia avy tagny Egypta, mba ho vahoaka izay lovany manoka, akoy anareo amizao fotoa zao.21Vignitry taminahy Yaveh nohon'ny gn'aminareo; nanangatagne Izy fa tsy hiampita an'i Jordana iaho, ary tsy hiditry ao amizay tany soa izany, da e tany izay omen'i Yaveh Andriamanitrao ho lovanao. 22Fa kosa, tsy maintsy ho faty eto amin'ity tana ity iaho; tsy mahazo miampita an'i Jordana iaho; fa anareo kosa da hiampita ary hahazo izay zaka tsara izany.23Tandremo tsara gne tegnanareo, mba tsy hanadino gne faneken'i Yaveh Andiamanitrareo, izay naniny taminareo, ka hagnambotry sary sikotry mitovy endriky amizay nandraran'i Yaveh Andriamanitrao agna tsy ho ambohary. 24Fa afo mamilavila Yaveh Andriamanitrao, ary Andriamanitra saro-piaro.25Raha manan-janaky aman-jafy anao, ary raha nipetraky ela tao amè tany, ary raha mamilavila gne tegnanao ka magnano sary sikotry araky gn'endrik'izay mety ho raha agnaby, ary magnano izay ratsy eo amason'i Yaveh Andriamanitrao, mba hampihetsiky gne fahavignirany— 26da mangaiky gne lagnitry sy gne tany iaho anio ho vavolombelo aminareo fa ho fonitry hiala do amè tany iahay izay hitànareo an'i Jordana ho fanagnanarel marigny anareo; tsy ho lava andro ao anareo, fa ho fonitry tanteraky.27Ho aparitak'i Yaveh eo amè vahoaka anareo, ka ho avela vitsy agn'asa eo amy gne firenena, izay hindesan'i Yaveh anareo enareo.28 Agny enareo gne hanompo andriamanitra hafa, izay asan'e tagnan'olombelo, vita amè hazo sy vato, izay sady tsy mahita, gne tsy maharé, gne tsy miaigne, na matatadivolo.29Fa avy agny anareo gne hitadia an'i Yaveh Andriamanitrareo, ka hahita Anazy, rehefa mitadia Anazy amè fonareo manontolo sy amè fagnahanareo manontolo anareo.30Raha ory anareo, ary rehefa avy aminareo izany raha agnaby izany, da hiverigny amin'i Yaveh Andriamanitrareo anareo ka hiteno e feony agny afara agny. 31Fa Andriamanitra mpamindra fo Yaveh Andriamanitrareo; tsy hiala na handavo anareo Izy, na hagnadigno gne fagneken'e razanareo izay nifagnekeny tamindreo.32Fa izao da hevero gn'andro lasa, izay talohanareo: manomboky tamy gn'andro izay nagnamboaran'Andriamanitra gn'olombelo teto an-tany, ary nanomboky tamè gn'ilan'e lagnitry ka hatreo amè gn'ilany hafa, hevero raha nisy akoy izany raha zakabe izany, ary izy me ka nisy raha akoy izany mbola re? 33Izy me ka efa nisy vahoaka nahare gne feon'Andriamanitra nizaka avy teo atagnategnan'e gn'afo, akoy gne nitenomanareo, ka velo?34Na kao Andriamanitra efa nitadia gne handeha ka angala firenena ho Anazy avy eo ategnategnan' e firenena hafa, amy gn'alalan'e fitsapa, famantara, ary amy gne fahagaga, sy ady, amè tagna mahery, sy sandy miatatry, ary amy gne horohoro zakabe, akoy gne raha-agnaby izay nanin'i Yaveh teo amasonareo ho anareo tagny Egypta?35Anao gne nagnambara an'io raha io, mba hahafahanao fa i Yaveh gn'Andriamanitra, ary tsy misy hafa ankotran'Azy. 36Avy tagny an-dagnitry gne nampaharesany anao gne feony, mba hahafahany mampianatry anao; teto an-tany gne nagnambarany anao gn'afony zakabe; nahare gne feony avy teo ategnategnan' afo anao.37Satra tia an'io razambenao Izy, da nifidy gne gne taraka izay nandimby enazy io, ka ninday anao niala an'i Egypta teo amè fagnatrehany, tame gn'heriny zakabe; 38mba handroahany gne firenena zakabe sy matanjaky noho anao hiala eo agnatrebanao, ka hampiditra anao ao, mba hagnomeza anao gne tanin-dreo ho lova, akoy gne androany.39Ka fantaro ary anio, ary amboaro ao am-ponao izao, fa Yaveh gn'Andriamanitra agny an-dagnitry agny ambony sy ety an-tany ety ambany; ary tsy misy hafa. 40Hitandrina gne didiny sy gna lalàgnany izay hibekoany anao androany anao, mba ho tsara gn'aminao sy gne taranaka mandiby anao, ary mba hahalava gn'andro hivelomanao ao amy gne tany izay amen'i Yaveh anao mandrakizay."41Avy eo da nisafidy tanà telo avy tegny amè gn'ilany antsignanan'i Jordana i Mosesy,42 mba hahafahany gn'olo milefa agny amy gne raiky amin'io raha sendra mamono olon-kafa tsikinia izy, kanefa mbola tsy fahalon'e tany e tany. Gne filefa agny amy gne raiky amin'io tanà io gne mety hahatavoaky velo anazy. 43Bezera tegny an-tany efitry, tagny amè tany epaky, agny Robenita; Ramota tao Gileada, an'ny Gadita; ary Golana tagny Basana, an'ny Manasita izany.44Izany gne lalàgna izay napetrak'i Mosesy teo agnatrehan' e vahoakan'i Israely; 45io gne fagnekem-pihavana, lalàgna, ary didy hafa izay nambarany tamy gne vahoakan'Israely raha nijotso avy tao Egypta indreo, 46rehefa tegny atsignanan'i Jordana indreo, tagny amè Lohasaha nanandrify an'i Beta-Peora, tagny amè tanin'i Sihona, mpanjakan'e gn'Amorita, izay nipetraky tao Hesbona, gne noresen'i Mosesy sy gne vahoakan' Israely agnaby nijotso an'i Egypta indreo.47Nalain-dreo ho fanagnany e taniny, sy gne tanin'i Oga mpanjakan'i Basana—io gne mpanjakan'i Amorita roy, izay tagny ambadik'i Jordana niantsignana. 48Nanomboky avy tagny Aroera, teo amoron'e lohasahan'i Arnona, ka hatragny amè Vohitr'i Sihona (na Vohitr'i Hermona) izany fari-tany izany, 49ary tafiditry tao amizay gne lemak'e lohasahan-driakan'i Jordana agnaby, miantsignana megnagny ambadi'i Jordana, megnagny ambadik'i Ranomasin'i Araba, ka hatragny amè gn'hantsan'e Vohitry Pisga.
1Noho izany da ôka hitia an'i Egypta Andriamanitrao anareo ary hignaza mandrakariva gne fampianarany, e lalàgnany, ary gne didiny.2Fantaro fa tsy mizaka amè zanakareo Iaho, izay tsy nahafantatry na nahita gne fagnasazian'i Yaveh Andriamanitrareo, gn'hazakabeny, e tagnany mahery, na gne tagnany miantatry,3gne famantara sy asa izay naniny tagny ategnategnan' i Egypta tamè Farao, mpanjakan'i Egypta, ary tamè taniny agnaby.4Na nahita gne naniny tamè maramilan'i Egypta, tamè soavaly, na tamè saretin-dreo, e fomba nagnamboarany e Ranomasy Mena anofotra andreo raha nagnia anareo indreo, ary e fomba nandavoan'i Yaveh andreo mandrak'androany, 5na izay naniny ho anareo tagny akebakeban-tany mandra-pahavy tamin'ity toera ity.6Tsy hitandreo izay nanin'i Yaveh tamin'i Datana sy Abirama, gne zanak'i Eliaba zaza lelahin'i Robena, izay fomba nanokafany e tany gne vavany ary nitely andreo, gne havan-dreo, gne lapalapandreo, ary izay raha-managnay agnaby nagnaraky andreo, teo ategnategnan' Israely agnaby. 7Fa e masonareo gn'efa nahita gn' asa zakaben'i Yaveh agnaby izay naniny.8Noho izany azao gne didy agnaby izay hibekoako anareo androany, mba hahavy anareo hatanjaka, ka hiditry sy hangala e tany izay hitànareo mba ho fanagna, 9ary mba ho lava andro anareo agny amè tany izay nifagneken'i Yaveh tamè razanareo fa home andreo sy gne taranakindreo, izay tany tondra-dronono sy titely.10Fa e tany, izay hidiranareo mba hahazoa an'izany, da tsy akoy gne tanin'i Egypta, izay nevianareo, izay namafazanareo e dorianareo sy nanondrahanareo rano izany tamè tombokareo, akoy gne tanim-bonikazo; 11fa e tany, izay hombanao mba ho fanagna, da tany ambony sy lohasaha, ary mahazo rano avy amè ranon-drikandro, 12e tany izay karakain'i Yaveh Andriamanitrareo; gne mason'i Yaveh Andriamanitrareo gne mitsinjo an'izany mandrakariva, hatramè fanomboan'e tao ka hatramè fihafaran'e tao.13Izany da hiboda, raha hiteno tsara gne didiko izay hibekoako anareo androany anareo, da gne hitia an'i Yaveh Andriamanitrareo sy hanompo Anazy amè fonareo sy gne fagnahanao agnaby,14mba hagnomezako ranon-drikandro amè taninareo amè fotoan'androny, da gne volohan-drikandro sy faran-drikandro, mba hahafahanareo mandagno e varinareo, gne divainareo vaovao, ary gne menakareo. 15Hagnisy ahatry amè taninareo Iaho ho an'e tezarahanareo, ary hihina anareo ka ho voky.16Tandremo e tegnanareo mba tsy ho vofitaky e fonareo, ka hielika sy hanompo andriamani-kafa sy handobaloky amindreo anao; 17mba tsy agnadary aminao gn'avigniran'i Yaveh; ary mba tsy hapihidy gne lagnitry Izy mba tsy hisian'e ranon-drikandro, ary gne zaka tsy homoa gne doria, ary mba tsy hahalavo anareo malaky amè tany tsara izay omen'i Yaveh anareo.18Nohon'izany areketo ao am-ponao sy gne fagnahinareo io zakako io, fehezo ho famantara eo amè tagnanareo izany, ary avelay izany ho tebok'ampanda eo agnelagnelan'e masonareo. 19Hampianarinareo gne zanakareo izany ary mikoragna mikasiky andreo raha mipetraky ao an-tragno anareo, raha mandeha egny an-dala, raha matory, na raha mifoha anareo.20Ho soratanareo eo amè tolagnam-baravaran'e tragnonareo sy eo amè vavahadin'e tanànareo izany, 21mba hihamaro gn'andronareo sy gn'andron'e zanakareo agny amè tany izay nifagneken'i Yaveh tamè razambenareo omè andreo raha mbola ambonin'e tany ka e lagnitry.22Fa raha magnaza tsara e didy agnaby izay hibekoako anareo enareo, ka magnano an'izany, hitia an'i Yaveh Andriamanitrao, handeha amè lalany agnaby, ary hifikitry Aminazy, 23da handroky gne firenena agnaby hiala eo anatrehanareo i Yaveh, da handroky gne firenena zakabe sy mahery noho anareo.24Izay toera hitsahan'e lelatombokareo da ho anareo; hatragny amè tany akebakebany ka hatragny Libanona, hatragny amè rano zakabe, e rano zakabe Eofrata, ka hatragny amè ranomasina akandrefa da ho faritaninareo. 25Tsy hisy olo hahasahy itsanga eo agnatrehanareo. Yaveh Andriamanitrareo gne hagnapetraky e tahotry anareo sy gn'horohoro anareo amè tany agnaby izay handehananareo, araka izay efa nozakainy taminareo.26Io, apetrako eo agnatrehanareo androany gne fitahia sy gn'ozona: 27e fitahia raha magneky gne didin'i Yaveh Andriamanitrareo izay hibekoako anareo androany anareo, 28ary gn'ozona, raha tsy magneky gne didin'i Yaveh Andriamanitrareo anareo fa hieliky amè lala izay haniko andenanareo androany, ka hagnaka andriamani-kafa izay mbola fantatrareo.29Izany da hiboda, raha hinday anareo agny amè tany izay hombànareo mba ho fanagnan'i Yaveh Andriamanitrareo, da hagnapetraky gne fitahia agny amè vohitry Gerizima anareo, ary gn'ozona agny amè vohitry Ebala. 30Tsy agny ambadik'i Jordana me io, akandrefan'e lala akandrefa, agny amè tanin'e Kananita izay mipetraky agny Araba, tandrifin'i Gilgala, akekin'e hazo terebintan'i More?31Satria handalo an'i Jordana anareo hiditry hangala e tany izay omen'i Yaveh Andriamanitrareo, ary ho fanagnanareo anareo, ary ho fanagnanareo izany ka nipetraky ao anareo. 32Ho hazainaoreo agnaby gne didy aman-dalàgna izay apetrako eo agnatrehanareo androany.
1Raha misy mpaminany na mpagnonofy miboda eo aminareo, ka magnano famantara na fahagaga, 2ary raha miboda gne famantara na gne fahagaga, izay koragniny aminareo ka magnano hoe: 'Andeha isika hagnaraky andriamanitra hafa, izay tsy mbola fantatrareo, ary andeha tompointsika indreo,' 3da ka miteno gne zakan'izany mpaminany izany, na izany mpagnonofy izany; satria Yaveh Andriamanitrareo da mitsapa anareo raha tia an'i Yaveh Andriamanitrareo amè fonareo manontolo sy amè fagnahinareo manontolo anareo.4Hagnara-dia an'i Yaveh Andriamanitrareo anareo, hognome voninahitry Anazy, hindrina gne didiny, sy hagneky e zakany, ary hidera Anazy sy hifikitra aminazy.5Ho vonoy izany mpaminany na mpagnonofy izany, satria izy da nanohitry an'i Yaveh Andriamanitrareo, izay ninday anareo nijotso avy tao amè tany Egypta, sy nagnafaky anareo tagny amè tany fagnandevoza. Mikady hirorotry anareo ambadik'e lala izay nitaritan'i Yaveh Andriamanitrareo mba handehananareo izany mpaminany izany. Ka halay tsy ho eo aminareo gne ratsy.6Reso hoe e rahalahinao, gne zanak'i endrinareo, na e zanakarei lelahy, na e zanakareo viavy, na e vadin'e gn'avanareo, na e namanareo izay tianareo mitovy amè tegnanareo, gne hinday mifiny anareo hizaka hoe: 'Ôka isika andeha ary hanompo gn'andriamanitra hafa izay tsy mbola fantatrareo, na gne anareo na gne razambenareo— 7da gn'andriamanitry gn'olo izay magnodidy anareo, akekinareo, na lavitry anareo, avy amizao tontolo izao agnaby.8Ka magneky na miteno enazy. Tsy tokony hana famindram-po aminazy evakoa e masonao, na halahelo enazy na hagnafiny enazy. 9Fa, tokony ho vaninareo marigny izy; e tagnanareo gne ho volohan'e hamono anazy, ary avy eo e tagnan'e vahoaka agnaby.10Hitora-bato hahafaty endreo, satria izy niezaka hinday anareo hagnalavitra an'i Yaveh Andriamanitrareo, izay ninday anareo hiala tao amè tany Egypta, hiala tao amè tany fagnandevoza. 11Haharè sy hataotry gn'Israely agnaby, ka tsy hanohy ian'izany karaza faharatsia zany eo aminareo esanaky.12Raha mahare olo mizaka mikasiky gne raiky amy gne tanànanareo, izay nomen'i Yaveh Andriamanitrareo mba himpetraha anareo: 13fa nisy mpiara-belo ratsy fagnahy sasany niala teo aminareo ary nitariky gn'olo mipetraky teo amè tanànan-dreo hoe: 'Atsika isika hanompo andriamanitra hafa izay tsy mbola tsy fantatrareo.' 14Da handiniky e porofo, hagnano fitadiava, ary hagnadihady laly an'izany anareo.' Raha hitanareo fa marigny ary azo antoky fa niny teo aminareo gne raha fahavetaveta akoizany, da hihetsiky anareo.15Azo antoky fa hanafiky gn'olo ao amizany tanà izany amè lelan-antsy hamilavila tanteraky izany sy gn'olo agnaby ao aminazy, miaraky amè tezaraha, amè gn'alalan'e lelan-tsabatra. 16Handagno gn'enta agnaby voababo amizany ho eo ategnategnan'e lala anareo ary hagnoro gne tanà, sy gn'eta voababo agnaby—ho an'i Yaveh Andriamanitrareo. Ho vorotanà mandrakizay gne tanà, ka tsy ho hatsanga esanaky izany.17Tsy tokony hisy hirekitry eo am-pelatagnanareo gne raha izay natoko ho vilavila. Izany gne tsy maintsy amboary, mba hijano amè fahavignirany i Yaveh, hagnambara famindram-po aminareo, sy halehelo anareo, ary hampitombo isa anareo, araky gne nifagnekeny tamè razambenareo. 18Hagnano an'izany Izy satria anareo miteno gne feon'i Yaveh Andriamanitrareo, mba hitandrema gne didiny agnaby izay hibekoako anareo androany, sy mba hagnanova izay marigny eo amasan'i Yaveh Andriamanitrareo.
1Anareo gne vahoakan'i Yaveh Andriamanitrareo. Ka mitetiky e tegnanareo, na magnisy ratry e faritr'e tarehinareo ho an'e maty. 2Fa anareo da firenena izay votoka ho an'i Yaveh Andriamanitrareo, ary Yaveh nifidy anareo ho vahoaka ho fanagnany manoka, mihoatry gne vahoaka agnaby eo ambony tany.3Kamihina raha raha vetaveta ndre ino ndre ino. 4Itoa gne biby azonareo hohany: gn'aoby, gn'ondry, ary gn'osy, 5gne sarfa, gne gazela, gne kapreola, gne osi-dia, gne pygarga, sy gne antilopa, ary gne ropikapra.6Azonareo hohany gne biby agnaby izay miviky e tombony, izany da, izay mana kitro mizara roy , ary mandiniky. 7Ndre da izany, kamihina gne biby sasany izay mandiniky na izay mana kitro mizara roy anareo: e rameva, gne bitro, ary gn'hyraky; satria mandiniky io nefa tsy mivaky kitro, maloto aminareo io.8Gne kosoa kosa da maloto aminareo satria mivaky izy nefa tsy mandiniky; maloto aminareo izy. Ka mihina hena-kisoa, ary ka mifetsa gne fatin'io.9Amè raha izay ao agnaty rano da azonareo hohany: izay misy vombony sy sisikiny agnaby; 10nefa izay tsy misy vombony sy sisikiny agnaby da ka haninareo; maloto aminareo io.11Gne voro madio agnaby da azonareo hany. 12Nefa itoa gne biby tsy azonareo hohany: gne voromahery, gne voltora, gne gypa, 13gne papango mena sy gne papango mity, izay karaza voromahery agnaby.14Ka mihina gne karaza goaky agnaby, 15sy gne ostritsa, sy gne tararaka, gne vorondriaka, izay karaza tararaka agnaby, 16gne voron-dolo madiniky, gne voron-dolo zakabe, gne voron-dolo fotsy, 17gne sama, gne voltara madiniky, gne vano.18Ka mihina gne vanobe, sy gne karaza vano agnaby, gne takidara, ary gne fanihy.19Gne raha managn'elatry, sy mandady agnaby da maloto aminareo; tsy tokony hohanh io. 20Azonareo hany gne raha mandrembo madio agnaby.21Ka mihina raha izay maty tampoky; azonareo home gne vabiny izay ao amè tanànao; mba hahafahany mihina izany; na azonaoreo avidy amè vahiny izanh. Fa anareo da firenena izay votokan'i Yaveh Andriamanitrareo. Ka mampandevy zanak'osy amè rononon-dreniny.22Efay gn'ampahafolon'e vokatry gne doriaanao agnaby, izay avy amè saha isan-tao isan-tao. 23Mihinana eo agnatrehan'i Yaveh Andriamanitrareo, ao amè toera izay hofidiny ho fipetrahany masina, gn'ampafolon'e varnao, gne divainao vaovao, sy gne menakao, ary gne zanaky gn'aombinao voloany sy gn'ondry aman'osinao; mba hahafahanao mianatry hanompo lalandava an'i Yaveh Andriamanitrao.24Raha lava lotry aminareo gne dia ary tsy vitanareo izany, satria lavitry lotry anao gne toera izay hofidin'i Yaveh Andriamanitrao ho fipetrahany masina, da, raha mitahy anao Yaveh Andriamanitr, 25hagnova gne sorigny ho vola anao, hifehy gne vola egny an-tragnonao, ary handeha agny amè toera izay hofidin'i Yaveh Andriamanitrao.26Ao gne handanianao e vola amizay irinao agnaby: amè gn'aombo, na amè gn'ondry, na amè divay, na amè raha indranomy mahery, na amizay irinao agnaby; da agny anao gne hihina eo agnatrehan'i Yaveh Andriamanitrao, ary hifaly anao, anao sy gn'havanao. 27Gne Levita izay ao agnatin'e vavahadinao—ka mahafoy enazy, fa tsy mana anjara na lova aminao izy.28 Amè faran'e gn'isak'e telo tao da hanolotry gne ampahafolon' e vokatrao agnaby amizany tao izany anao, ary hiompy an'izany ao agnatin'e vavahadinao anao; 29ary gne Levita, satria izy tsy mana anjara na lova aminao, sy gne vahiny, sy gne kamboty, ary gne mpivatotry izay ao agnatin'e vavahadinao, da ho avy sy hihina ary ho afa-po. Anio izany mba hahafahan'i Yaveh Andriamanitrao mitahy anao amè gn'asan'e tagnanao izay aninao agnaby.
1Tsy misy lelahy naratry tamè fangala na fanapaha gne filahiany afaky hiditry ao amè fiangonan'i Yaveh. 2Tsy misy zazasary afaky ho isan'e fiangonan'i Yaveh; ka hatramè taranaky fara-mandimbiny fahafolo, tsy hisy ho isan'e fikambanan'i Yaveh indreo.3Gn'Amonita sy Moabita da tsy ho isan'e fiangonan'i Yaveh; ka hatragny amè taranaky fara-mandimby fahafolo, tsy hisy ho isan'e fiangonan'i Yaveh indreo.4 Izany da satria tsy nitsena anareo tamè mofo sy rano tegny amè lala nijotsonareo avy tagny Egypta indreo, ary satria nagnakarama an'i Balama zanaka lelahin'i Beora avy agny Arama Naharaima hanohera anao indreo, mba hagnozona anao.5Fa Yaveh Andriamanitrao da tsy hiteno an'i Balama; ndre da izany, navadik'i Yaveh ho fitahia ho anao gn'ozona, satria tian'i Yaveh Andriamanitrao anao. 6Tsy tokony hitadia gne fiadana na tonjona antrarin-dreo mihitsy anao, ma dritry gn'androm-piainanao agnaby.7Tsy tokony tsy ho tia Edomita anao, satria rahalahanao izy; tsy tonony tqy ho tia Egyptiana anao, satria vahiny tagny amè taniny anao.8 Gne taranaky avy amè taranaky fahatelo izay naterakindreo da mety ho agnisan'e fiangonan'i Yaveh.9Raha mandeha akoy gne miaramila miady amè fahavalo anao, da tokony hindrina gne tegnanao amè raha ratsy agnaby. 10Raha misy lelahy tsy madio noho izay niseo tame gn'ariva eo aminao, da tokony hiala ao amè tobin'e miaramila izy; tsy mahazo miverigny ao amè toby esanaky izy. 11Raha avy gn'ariva, da tokony hanasa gne tegnany amè rano izy; raha maty e masoandro, da hiverigny ao amè toby izy.12Tokony hana toera agny ambadik'e toby evakoa anao izay handehananao; 13ary hana raha ao amè fitaovam-piasanao anao mba handavaha; raha milingilingy magnano maloto anao, da tokony handavaky amizany ary avy eo mamerigny gne tany ka manototry izay nijotso avy tao aminao. 14Satria i Yaveh Andriamanitrao da mandeha egny ategnategnan' e tobinao mba hagnome fandresea ho anao sy hagnome gne fahavalonao aminao. Noho izany da tokony ho masina gne tobinao, mba tsy hahitany raha tsy madio eo aminao ka hivadiky aminao.15Gn'andevo izay nilefa avy agny amè tompony da tsy tokony haverigny agny aminazy. 16Avelay izy hipetraky hiaraky aminao, ndre ia ndre ia tanà fidiny. Ka ampijaly izy.17Tsy tokony hisy mpijangajanga amè fanompoan-tsampy eo amè zanaka viavin'Israely, na koa hisy mpijangajanga amè fanompoan-tsampy eo amè zanaka lelahin'Israely. 18Gne karaman'e mpivaro-tegna na karaman'amboa da tsy tonony etinao miditra ao andragnon'i Yaveh Andriamanitrao mba hagnatanteraha sareky; satria samy fahavetaveta amin'i Yaveh Andriamanitrao io.19Tsy tokony hangala tombony amè Israelita namanao anao raha mampindra—tombony amè vola, tombony amè hany, tombony aminazy ndre ino ndre ino nampindraminao hangalà tombony. 20Mety hampindra hangalà tombony anao amè vahiny; fa amè gn'Israelita namanao da tsy tokony hampindra hangalà tombony anao, mba hitahian'i Yaveh anao amizay hagnavelanao tagna agnaby, ao amè tany izay ho lasa fanagnanao.21Raha magnano sareky amin'i Yaveh Andriamanitrao anao, da tsy tokony hiadakada amè fagnatanteraha an'izay, satria azo antoky fa ho takin'i Yaveh Andriamanitrao aminao izany; ho fahota ho anao gne tsy fagnatanteraha an'izany. 22Fa raha hanindry fo anao amè fagnamboara voady, da tsy ho fahota ho anao izany. 23Gne zaka izay navokin'e vavanao da tano ary tanteraho; arak'izany sareky naninao tamin'i Yaveh Andriamanitrao, ndre ino ndre ino nampagnategnainao tamè vavanao.24Raha mandeha amè tanim-bolobok'e mpiara-belo aminao anao, da mety hihina voaloboky maro araky izay tianao, fa ka magnisy ao agnaty haro. 25Raha mandeha agny amè gn'orak'e mpiara-belo aminao anao, da mety hipingo tahom-bary amè tagnanao, fa ka agnavelà fandidy hididia gne gne tahom-barin'e mpiara-belo aminao.
1Tafaran'gne nahafatesan'i Josoa, nagnontany an'i Yaveh gne vahoakan'Israely, nagnano hoe: ''Ia gne hanafiky voalohany gne Kananita ho anay, mba hiady amindreo?'' 2Da hoy Yaveh: ''Hanafiky i Joda. Indro, efa nomeko andreo gne fifeheza ity tany ity.'' 3Ireo lehilahin'i Joda nizaka tamin'gne lehilahin'i Simeona, rahalahandreo hoe: "Miakara miaraky aminay agny ame faritaninay izay voatendry ho anay fa isika mitambatry gne afaka miady amin'gne Kananita. Handeha hiaraky aminareo akô izany agny ame faritany izay voatendry ho anareo iahay." Ka nagnaraka andreo gne fokon'i Simeona.4Nanafiky gne lehilahin'i Joda, ary nomen'i Yaveh andreo gne fandrese an'gne Kananita sy gne Perizita. Namono lehilahy ray aly tamindreo tagny Bezeka indreo. 5Nahita an'i Adonia Bezeka tagny Bezeka indreo, ary niady tamindreo ka nandresy gne Kananita sy gne Perizita.6Fa nilefa i Adonia Bezeka, ary nihagnindreo izy ka tratriny, ary notapahinndreo gne tondroben-tagnany sy gne tondroben-tongony. 7Da hoy i Adoni-bezeka: ''Mpanjaka fitopolo, izay tapaky gne tondroben-tagnany sy gne tondroben-tongotrindreo, gne nandagno gne hanindreo tao ambanin'gne latabatriko. Mitovy izay efa naniko, da akô izany evao koa gne nanìn'Andriamanitra taminaha.'' Nindesindreo tagny Jerosalema izy, ary maty tagny.8Niady tame tanàn'i Jerosalema gne lehilahin'i Joda ary nangala izany. Nanafiky izany tame lela-tsabatry indreo ary nandoro gne tanà. 9Taorian'izany, nidigny hiady amin'gne Kananita izay nitoetra tagny ame tany agnabo, tagny Negeva, sy tagny andrefan'gne tendrombohitry nitandava gne lehilahin'i Joda. 10Nandroso nanohitry gne Kananita izay nipetraky tagny Hebrona i Joda (gne agnaran'i Hebrona taloha da i Kiriata Arba), ary nandresy an'i Sesay, Ahimana, ary Talmay indreo.11Avy tegny no nagnato nanohitra gne mponin'gne Debira gne lehilahin'i Joda (gne agnaran'i Debira taloha da i Kiriata Sefera). 12Hoy i Kaleba: ''Ndre ia ndre ia manafiky an'i Kiriata-sefera ary mangala izany, da homeko azy i Aksa, zanako viavy, mba ho vadiny.'' 13Otniela, zanaka lahin'i Kenaza (zandry lahin'i Kaleba) nisambotry an'i Debira, ka da nomen'i Kaleba azy i Aksa, zanany viavy, mba ho vadiny.14Tsy ela da tonga tagny amin'i Otniela i Aksa, ary nandrisiky anazy hangataky ame rainy mba hagnome tanimboly raiky anazy izy. Raha niala tame ampondrany izy, da nagnontany anazy Kaleba hoe: ''Ino gne azoko anÿ anao?'' 15Ary hoy izy taminazy: ''Omeo tso-drano aho. Satria efa nomenao anahy gne tany Negeva, da omeo loharano evao koa aho.'' Ka da nomen'i Kaleba anazy gne loharano ambony sy gne loharano ambany.16Gne taranaky gne rafozan-dahin'i Mosesy ilay Kenita da niakatry avy tany ame Tanàn-drofia niaraky tame vahoakan'i Joda, nandeha agn'efitr'i Joda, izay tagny Negeva, mba hiaigny miaraky ame vahoakan'i Joda akaikin'i Arada. 17Gne lehilahin'i Joda nandeha niaraky tamin'gne lehilahin'i Simeona rahalahindreo ary nanafiky gne Kananita izay nipetraky tagny Zefata indreo ary noravandreo agnaby izany. Gne agnaran'gne tanà da nangiha hoe Horma.18Nosamborin'gne vahoakan'i Joda evao koa i Gaza sy gne tany magnodidy anazy, Askelona sy gne tany magnodidy anazy, ary Ekrona sy gne tany magnodidy anazy. 19Niaraky tamin'gne vahoakan'i Joda i Yaveh ary nangala gne tany akaboa indreo, nefa tsy afaky nandroaky gne mponin'gne tany lemaky nohon'gne fagnanandreo kalesy vy.20Nome an'i Kaleba i Hebrona (araky gne efa nozakain'i Mosesy), ary noroahiny tao gne zanaky telo lahin'i Anaka. 21Nefa tsy nandroaky gne Jebosita izay mponin'i Jerosalema gne vahoakan'i Benjamina. Ka da nipetraky niaraky tame vahoakan'i Benjamina tao Jerosalema gne Jebosita mandrak'androany.22Gne ankohonan'i Josefa da nivonogny hanafiky an'i Betela, ary nomba andreo Yaveh. 23Nagniraky lehilahy hitsikilo an'i Betela indreo (gne tanà izay nangiha hoe Lozy teo aloha). 24Nahita lehilahy nivoaky gne tanà gne mpitsikilo, da hoy indreo taminazy: ''Mba aboahy anay rô, gne fomba hidira ao ame tanà, da ho tsara fagnahy aminareo izahay.''25Da naboakiny anazy gne lala miditry ame tanà, ka da nanafiky gne tanà tame lelan-tsabatry indreo, nefa napetrandreo nandeha ilay lehilahy sy ny fianakaviany. 26Avy eo da nandeha ame tanin'gne Hetita gne lehilahy ka nambôtry tanà ary nangihany hoe Lozy izany, izay agnarany mandrak'androany.27Tsy noroahin'gne vahoakan'gne Manase gne vahoaky nipetraky tagny ame tanàn'i Beti-sana sy gne zana-bohitriny, na Tanaka sy gne zana-bohitriny, na gne izay nipetraky tagny Dora sy gne zana-bohitriny, na gne izay nipetraky tao Ibleama sy gne zana-bohitriny, na gne izay nipetraky tany Megido sy gne zana-bohitriny, satria efa tapa-kevitry gne hidoboky amin'izany tany izany gne Kananita. 28Refa lasa natanjaka i Israely, da noterendreo hanompo andreo tame asa mafy gne Kananita, nefa tsy mbola noroasindreo agnaby indreo.29Tsy noroahin'i Efraima gne Kananita izay nipetraky tagny Gazera, ka da nipetraky tagny Gazera teo amindreo fezay gne Kananita.30Tsy noroahin'i Zebolona gne vahoaka nipetraky tagny Kitrona, na gne vahoaky nipetraky tagny Nahalola, ary da nipetraky tamindreo fezay gne Kananita, nefa noteren'i Zebolona hanompo andreo tame asa mafy gne Kananita.31Tsy noroahin'i Asera gne vahoaky nipetraky tagny Ako, na gne vahoaky nipetraky tagny Sidona, na gne izay nipetraky tagny Alaba, Akziba, Helba, Afika, na Rehoba. 32Ka da nipetraky teo amin'gne Kananita gne fokon'i Asera (ireo izay efa nidoboky tao amin'gne tany), satria tsy nandrôky andreo indreo.33Tsy noroahin'gne fokon'i Naftaly gne izay nipetraky tagny Beti-semesy, na gne izay nipetraky tagny Beta-anata. Ka da nidoboky teo amin'gne Kananita gne fokon'i Naftaly (gne vahoaky izay efa nipetraky tamin'izany tany izany). Ndre izany aza, naletry tagnatin'gne asa mafy ho an'i Naftaly gne mponin'i Beti-semesy sy Bet-anata.34Naletrin'gne Amorita hipetraky agny ame tany akabo gne fokon'i Dana, ary tsy napetrany nidigny tagny ame lemaky indreo. 35Ka da nipetraky tao an-tendrombohitr'i Heresa, tagny Aialona, ary tagny Salbima gne Amorita, nefa gne miaramila maherin'gne ankohonan'i Josefa nandresy andreo, ary da naletrindreo hanompo anazy ame asa mafy indreo. 36Nihitatry avy tagny ame havoan'i Akrabima agny Sela niakatry tonga ame tany akaboa gne sisin-tanin'gne Amorita.
1Niakatry avy tao Gilgala hoagny Bokima gne anjelin'i Yaveh, ary nagnano hoe: "Ninday anareo niakatry avy tao Egypta Aho, ary nitondra anareo tagny ame tany nifagnekeko home gne razanareo. Hoy aho: 'Tsy handrava gne fagnekeko aminareo mihitsy Aho. 2Ka magnano fagneke amin'gne izay mipetraka ao amin'ity tany ity enareo. Aoka horavanareo gne alitarandreo.' Nefa tsy nihaino gne feoko enareo. Fa ino ity namborinareo?3Koa androany aho da mizaka fa: 'Tsy handroaky gne Kananita eo anatrehanareo Aho, fa ho lasa tsilo eo agnilanareo indreo, ary gne andriamanitriny da ho lasa fandrika ho anareo.''' 4Raha nizaka ireo teny ireo tame vahoakan'i Israely agnaby anjelin'Andriamanitra, da nitoreo sy nitomagny gne vahoaka. 5Nangihandreo hoe Bokima izany toera izany. Nanolotry fagnatitry ho an'i Yaveh tao indreo.6Ary refa nagniraky gne vahoaka tame lalandreo Josoa, da nandeha ame toera voatendry gne vahoakan'Israely tsiraidraiky, mba hangala tanindreo. 7Nanompo an'i Yaveh agnatin'gne androm-piainan'i Josoa sy gne loholona izay mbola velona tafarany gne vahoaky, ary ireo izay nahita gne asa lehiben'i Yaveh agnaby namboariny ho an'Israely. 8Josoa zanaky lahin'i Nona mpanompon'i Yaveh, da maty teo ame faha-folo amby zato taonany.9Nandevy anazy tao ame faritanin'gne tany nanendre azy tao Timnata-heresa indreo, tao ame tany havoan'i Efraima, avaratry gne Tendrombohitr'i Gasa. 10Izany taranaky agnaby izany evao koa da nalagno ho ame razandreo. Nisy taranaky hafa nitombo tafarandreo izay tsy nahalala an'i Yaveh na izay nataony tamin'gne Israely.11Nagnano izay ratsy teo imason'i Yaveh gne vahoakan'Israely ary nanompo an'i Bala indreo. 12Nisaraky tamin'i Yaveh indreo, gne Andriamanitry gne razandreo, izay ninday andreo nivoaky avy tao ame tany Egypta. Nanaraky gne andriamani-kafa indreo, gne tena andriamanitr'gne vahoaka izay nagnodidy andreo, ary niankohoka tamin'io. Nagnetsiky gne fahavigniran'i Yaveh indreo satria 13nisaraka tamin'i Yaveh ary nanompo an'i Bala sy gne Astarta.14Nirehitry tamin'Israely gne hatezeran'i Yaveh, ary nomeny an'ireo mpanafiky izay nangalatry gne fanagnandreo taminazy indreo. Namidiny ho andevo ireo izay voatazo tame herin'gne fahavalo magnodidy andreo, mba tsy hahafahandreo koa miaro gne tegnany amin'gne fahavalony. 15Ndre taia ndreo taia nandehanan'Israely niady, gne tanan'i Yaveh da andreo mba handresy andreo, araka gne nitangnenany tamindreo ary tao agnaty fijalia mafibe indreo .16Ary Yaveh nanandratry mpitsara, izay namonjy andreo tame tagnan'gne izay nangalatry gne fanagnandreo. 17Nefa tsy nihaino gne mpitsarany indreo. Tsy nahatoky tamin'i Yaveh indreo ary nanolotry gne tegnany akô gne mpijangajanga tamin'gne andriamani-kafa sy nanompo ireo. Nania nalaky tame lala niaignan'gne razany indreo—gne nagnaja gne didin'i Yaveh—nefa tsy mba nagnano akô izany indreo.18Refa nanandratry mpitsara ho andreo i Yaveh, nagnampy gne mpitsara i Yaveh ary namonjy andreo tame tagnan'gne fahavalondreo tame andro agnaby niainagnan'gne mpitsara. Ferignay ndreo Yaveh raha nisento noho ireo izay nampahory sy nampijaly andreo indreo. 19Fa refa maty gne mpitsara, da niala sy nagnano gne raha izay ratsy kokoa noho gne namborin'gne razany aza indreo. Nagnaraky gne andriamani-kafa mba hanompo sy hidera azy indreo. Nandà gne hiala tamin'gne fanaony ratsy agnaby na tamin'gne lalan'gne ditriny indreo.20Nirehitry tamin'i Israely gne hatezeran'i Yaveh; hoy Izy: "Satria ity firenena ity da nandrava gne tenin'gne fanekeko izay napetrako ho an'gne razany—satria tsy nihaino gne feoko indreo— 21Iaho, manombok'izao, da tsy handroaka eo agnatrehandreo na gne raiky amin'gne firenena izay navelan'i Josoa refa maty izy. 22Hanao izany Aho mba hahafahako mitsapa gne Israely, na hitandrigny gne lalan'i Yaveh sy handeha amin'izany indreo na tsia, akô gne nitandreman'ny razandreo izany." 23Izany gne antony nelàn'i Yaveh ireo firenena ireo sy tsy nandroahany andreo nalaky tao ary nanomezany andreo teo an-tagnan'i Josoa.
1Ary Yaveh namela firenena ireo mba hitsapana an'i Israely, izany hoe gne olo agnaby tagny Israely izay tsy nanana traikefa tame ady da niady tagny Kanana. 2(Nagnano izany izy mba hampianarana ady an'gne taranak'Israelita vaovao izay mbola tsy nahalala izany taloha). 3Itoa aby gne firenena: gne mpanjaka dimy avy amin'gne Filistina, gne Kananita agnaby, gne Sidoniana, ary gne Hivita izay nonina tagny amin'gne Tendrombohitry Libanona, hatramin'gne Tendrombohitra Bala-hermona ka hatragny lalana Hamata.4Navela ireo firenena ireo, izany gne fomba nitsapan'i Yaveh an'Israely, mba hagnamafisa na nagnaja gne didy izay nomeny an'gne razambendreo tame alalan'i Mosesy indreo. 5Noho izany gne vahoakan'Israely da nipetraky teo amin'gne Kananita, gne Hetita, gne Amorita, Perizita, ary gne Jebosita. 6Gne zanaky viavindreo da nalaindreo mba ho vadindreo, ary gne zanaky viavindreo manokana da nomendreo ho an'gne zanaky lahindreo, ary nanompo gne andriamanitriny indreo.7Nagnano izay ratsy teo imason'i Yaveh gne vahoakan'Israely ary nagnadigno an'i Yaveh Andrimanitrindreo. Nanompo ireo Bala sy ireo Aseraha izy ireo. 8Noho izany, da nirehitry tamin'Israely gne fahatezeran'i Yaveh, ary namidiny teo am-pelatanan'i Kosan-risataima mpanjakan'i Arama-naharaima indreo. Nanompo an'i Kosan-risataima agnatiny gne valo tao gne vahoakan'Israely.9Rehefa niantso mafy an'i Yaveh gne vahoakan'Israely, da nanandratry olo mba ho tonga hamonjy gne vahoakan'Israely i Yaveh, sy hagnavotry andreo: Otniela zanaky lahin'i Kenaza (zandrin'i Kaleba). 10Nagnome hery azy gne fagnahin'i Yaveh, ary nitsara an'i Israely izy ary nivoaka tagny ame ady. Nomen'i Yaveh fandresena teo agnatrehan'i Kosan-risataima mpanjakan'i Arama izy. Nandresy an'i Kosan-risataima gne tagnan'i Otniela. 11Nilamy gne tany agnatiny gne efapolo tao. Avy eo da maty i Otniela zanaka lahin'i Kenaza.12Tafaran'izany, da mbola nagnano izay ratsy teo imason'i Yaveh indraiky gne Israelita, ka nagnome hery an'i Eglona mpanjakan'i Moaba mba hampandresy ireo Israelita i Yaveh. 13Nikamba tamin'gne Amona sy gne Amaleka i Eglona, da nandeha indreo ka nandresy an'Israely, ary nalaindreo ho fanagnany gne Tanàn-drofia. 14Nanompo an'i Eglona mpanjakan'i Moaba agnatiny gne valo ambin'gne folo taona gne vahoakan'Israely.15Refa nangaiky mafy an'i Yaveh ny vahokan'Israely, dia nanandratra olo raiky i Yaveh hagnampy andreo, Ehoda zanak'i Gera, Benjamita, lehilahy kavia. Nandefa anazy niaraky tame fandoavan-ketrandreo, tagny amin'i Eglona mpanjakan'i Moaba gne vahoakan'Israely.16Nanamboatra sabatry raiky izay nisy lela roa ho azy i Ehoda, raiky metatry gne halavany; nafehiny tao ambanin'gne akanjony teo amin'gne tsobeny ankavanany izany. 17Nomeny an'i Eglona mpanjakan'i Moaba gne fagnomeza. (Ary Eglona da lehilahy matavy be.) 18Tafaran'gne nanoloran'i Ehoda gne fandoavan-ketra, da lasa niaraky tamindreo izay nitondra izany izy.19Raha gne amin'i Ehoda kosa, refa tonga teo amin'gne toerana izay nisy gne sarin-draha voasokitry nanÿ teo akaikin'i Gilgala izy, da nitodika sady niverina izy, ary niteny hoe: "Mana tsiambaratelo ho anao iaho, ampanjakako." Ary Eglona nijaka hoe: "Mangina!" Da nivoaka gne efitry ireo agnaby izay nanompo anazy. 20Tonga teo aminy i Ehoda. Nipetraky raiky gne mpanjaka, raiky tao ame mangatsiatsiaka tao amin'gne efitragno ambony. Hoy i Ehoda hoe: "Mana hafatry avy agny amin'Andriamanitra ho anao iaho." Nitsanga avy teo ame fidobohany gne mpanjaka.21Nahinjitr'i Ehoda gne tagnany havia ary nalainy teo ame tsobeny ankavana gne sabatry, ka natsatokiny teo ame vatan'gne mpanjaka izany. 22Gne hazon-tsabatry taminazy da nagnaraky gne lamosina. Nivoaky tao an-damosiny gne tendron-tsabatry ary nandrakotry izany gne tavy, fa tsy nagnatsoaky gne sabatry tame kibony i Ehoda. 23Avy eo da nivoaky teo an-davaranga i Ehoda ary nagnakatoky ireo varavaran'gne efitry ambony ary nagnidy izany.24Refa lasa i Ehoda, da avy gne mpanompon'ny mpanjaka; hitandreo fa mihidy ireo varavaran'gne efitry ambony, ka nihevitry indreo hoe: "Azo antoky fa maka aina ao ame mangatsiatsiaky ao ame efitry ambony izy." 25Nitombo gne ahiahindreo mandra-pahatsapandreo fa nanao tsinontsinona gne andraikitriny indreo refa mbola tsy nanokatry gne varavara tao ame efitry ambony gne mpanjaka. Ary nalaindreo gne lakile, da novohainy gne, ary nitsilagny teo gne tompony, lavo tame tany, ary maty.26Raha teo am-pandignasa gne mpanompo, da nagnontany tegna gne amin'izay tokony hanÿ indreo, nilefa i Ehoda ka nagnalavitry gne toitry misy gne sarin-javatry voasokitr'gne sampy, ary noho izany da nilefa tagny Seïrata izy. 27Refa avy izy, da nitsotry gne atsiva raiky teo ame tany akaboan'i Efraima. Ka nidigny niaraky taminazy avy agny ame havoana gne vahoakan'Israely, ary izy gne nitariky andreo.28Hoy izy tamindreo hoe: "Magnaraha anahy, fa efa handresy gne fahavalonareo Yaveh, da gne Moabita." Nagnaraky anazy indreo ary nisambotry gne fitàn'i Jordana fandalovan'gne Moabita, ary tsy namela ndre ia ndre ia hiampita gne renirano indreo. 29Tamin'izany fotoana izany da namono lehilahy Moabita teo ame ray aly teo indreo, ary lehilahy natanjaka sy mahavita azy izy agnaby. Tsy nisy afa-nilefa. 30Ary tamin'izany andro izany Moaba da resin'gne tanjak'Israely, ary nilamina tagnatiny gne valopolo taona gne tany.31Tafaran'i Ehoda da i Samgara zanaky lahin'i Anata izay namono olona 600 tamin'gne Filistina tame hazo fanindroma biby fiompy gne mpitsara magnaraky. Nanafaky an'i Israely tame loza evao koa izy.
1Tafaran'gne nahafatesan'i Ehoda, da nagnano izay ratsy teo imason'i Yaveh indraiky gne vahoakan'Israely. 2Namidin'i Yaveh teo an-tagnan'i Jabina mpanjakan'i Kanana izay nanjaka tao Hazora indreo. Ny agnaran'gne mpitari-tafiny da i Sisera, ary nipetraky tao Harosetan'gne Jentilisa izy. 3Niantso vonjy mafy tamin'i Yaveh gne vahoakan'Israely, satria nana kalesy vy sivinjato Sisera ary nampijaly gne vahoakan'Israely tamin-kery tagnatiny gne roapolo taona izy.4Ary Debora, mpaminany viavy (vadin'i Lapidota), gne nitariky gne fitsara tao Israely tamin'izany fotoa izany. 5Zatry nipetraky teo ambany rofian'i Debora agnelagnelan'i Rama sy Betela tao ame tany havoan'i Efraima izy, ary gne vahoakan'Israely nandeha aminazy mba hametraky gne adindreo taminazy.6Nagniraky an'i Baraka zanaka lahin'i Abinoama avy agny Kadesy ao Naftaly izy. Hoy izy taminy: "Yaveh, ry Andriamanitr'Israely, mandidy anao hoe: 'Mandehana agny an-tendrombohitry Tabara, ary mitondrà lehilahy ray aly avy ao Naftaly sy Zebolona. 7Hagnatsoaky an'i Sisera, mpitari-tafik'i Jabina Aho, mba hihaona aminao eo ame renirano Kisona, miaraky amin'gne kalesiny sy gne tafiny, ary hanome anao fandrese andre Aho."8Hoy Baraka taminazy: "Raha miaraky aminaha enao, da handeha iaho, nefa raha tsy miaraky aminaha enao, da tsy handeha aho. 9Hoy izy: "Hiaraky aminao tokoa iaho. Ndre da zay aza, gne lala izay andehananareo da tsy hitariky anareo agny ame voninahitrareo, fa hivarotry an'i Sisera eo an-tagnan'gne viavy i Yaveh." Dia niakatra Debora ary niaraky tamin'i Baraka hoagny Kadesy.10Nangaiky gne lehilahin'i Zebolona sy Naftaly mba hiaraky ho agny Kadesy i Baraka. Lehilahy ray aly gne nagnaraky anazy, ary niaraky taminazy i Debora.11Ary Hebera (ilay Kenita) nisaraky tamin'gne Kenita—taranak'i Hobaba indreo (rafozan-dahin'i Mosesy)—ary namelatry gne lainy teo ame terebinta tagny Zananima akaikin'i Kadesy izy.12Refa nozakaindreo tamin'i Sisera fa niakatry tagny an-tendrombohitra Tabara i Baraka zanaka lahin'i Abinoama, 13da nangaiky mafy gne kalesiny agnaby i Sisera, kalesy vy sivinjato, ary gne miaramila agnaby izay niaraky taminazy, hatreo Harosetan'gne Jentilisa ka hatragny ame Renirano Kisona.14Hoy Debora tamin'i Baraka: "Mandehana! Fa ity no andro izay nagnomezan'i Yaveh fandrese anareo eo amin'i Sisera. Moa ve tsy mitariky anareo i Yaveh?'' Dia nidigny avy tegny an-tendrombohitry Tabara niaraky tamin'gne lehilahy ray aly nagnaraky anazy i Baraka.15Nampifanjevon'i Yaveh gne tafik'i Sisera, gne kalesiny agnaby, ary gne tafikiny agnaby. Nanafiky andreo gne lehilahin'i Baraka ka nidigny tame kalesiny i Sisera ary nitsoaka an-tongotry. 16Fa nenjehin'i Baraka hatragny Harosetan'gne Jentilisa gne kalesy sy gne tafika, ary gne tafik'i Sisera agnaby da novonoy tame lelan-tsabatra, ary tsy nisy nipetraky ndre da lehilahy raiky aza.17Nefa Sisera nilefa an-tongotry tagny ame lain'i Jaela, vadin'i Hebera Kenita, satria nihavana i Jabina mpanjakan'i Hazora, sy gne ankohonan'i Hebera Kenita. 18Nivoaka hihao amin'i Sisera i Jaela ary nagnano taminazy hoe: "Mivilia, ry tompoko, mivilia aty amiko ary ka matahotry." Da nivily tagny aminazy izy ka niditry tao ame lainy, ary norakofany tame bodofotsy izy.19Hoy izy taminy: "Mba omeo rano kely ho sotroy rô iaho, fa mangetaheta." Nanokatry kitapon-drono hoditra izy ary nagnome anazy ho sotroy, avy eo da norakofany indraiky izy. 20Hoy izy taminazy: "Mitsangàna eo am-barangaran'gne lay. Raha misy olo avy ary magnontany anao hoe: 'Misy olona ve ato?', da zakay hoe: 'Tsisy."21Ary Jaela (vadin'i Hebera) nangala tsatokan-day sy maritô tegny an-tagnany ary nitsofoky an-tsokosoko tao aminazy, fa tao agnaty torimaso laly izy, ary nameky gne tsatokan-day tame maritô teo ame faritry gne lohany izy ary nitsatoka taminazy izany ka niroda tame tany, da maty izy. 22Raha nagnia an'i Sisera i Baraka, da nagniry gne hivoaky hifankahita aminazy i Jaela ary nagnano taminazy hoe: "Avia, haboakiko anao gne lehilahy tadiavinao." Da niaraky niditry taminazy izy, ary io Sisera maty nitsilagny, miaraky amin'ny tsatokan-day teo anilan'gne lohany.23Ka tamin'izany andro izany gne nandresen'Andriamanitra an'i Jabina, mpanjakan'i Kanana, teo agnatrehan'gne vahoakan'Israely. 24Gne herin'gne vahoakan'Israely dia nihanatanjaky fezay nagnatriky gne mpanjakan'i Kanana, mandra-pandringanandreo anazy.
1Tamin'izany andro izany Debora sy Baraka zanak'i Abinoama da nihira ity hira ity: 2"Refa mitariky gne mpitariky ao Israely, refa manolo-tena am-pifalia ho ame ady gne vahoaka—da midera an'i Yaveh isika!3Mitenoa, enareo mpanjaka! Mifantoha, enareo mpitarika! Iaho, iaho da hihira ho an'i Yaveh; hihira fiderana ho an'i Yaveh, gne Andriamanitr'Israely aho. 4Yaveh, refa nivoaky avy tagny Seira Enao, refa nandeha avy tagny Edoma anao, da nihorohoro gne tany, ary niavotravitry koa gne lagnitry; ary gne rahona nandatsaky rano evao koa.5Niavotravotry teo agnatrehan'gne tavan'i Yaveh gne tendrombohitry; egny na gne tendrombohitry Sinay aza da nivotravotry teo agnatrehan'gne tavan'i Yaveh, gne Andriamanitr'Israely. 6Tamin'gne andron'i Samgara (zanaky lahin'i Anata), tamy andron'i Jaela, niloza gne lalam-be, ary gne izay nandeha evao gne nampiasa gne sakeli-dala miolakolaky.7Vitsy gne mpiady tany Israely, mandra-panapahako, iaho Debora—gne reny nanapaky tao Israely! 8Tamindreo nisafidy andriamanitra vaovao, da nisy ady teo ame vavahadin'gne tanà kanefa tsy nisy ampinga na lefo hita teo amin'gne olo efatry aly tao Israely.9Gne foko mankasitray gne mpanapaky gne Israely, miaraky amin'gne vahoaky izay nanolo-tena am-pifalia—isaorantsika Yaveh noho indreo! 10Eritrereto izao—enareo izay mipitiky ampondra fotsy mipetraky eo ame lamba ho solon'gne lasely, ary enareo izay mandeha ame lala.11Henoy gne feon'gne izay mihira eo ame tany fanondraha. Agny gne izakandreo indraiky gne fahamarinan'gne asan'i Yaveh, sy gne fahitsian'gne asan'gne mpiadiny tany Israely. Avy eo da nidina teo ame vavahadin'gne tanà gne vahoakan'i Yaveh.12Mifohaza, mifohaza, ry Debora! Mifohaza, mifohaza, mihirà fihirana! Mitsangàna, ry Baraka, indeso gne voafonjanao, enao ry zanaky lahin'i Abinoama. 13Avy eo da nidigny teo amin'gne olo-manan-kaja gne sisa velona; nidigny nandeha aminaha niaraky tamin'gne mpiady gne vahoakan'i Yaveh.14Avy tagny Efraima indreo, gne fototrindreo da agny Amaleka; nagnaraky anareo gne vahoakan'i Benjamina. Nidigny avy agny Makira gne mpifehy, ary avy agny Zebolona gne izay mitondra gne tehin'gne manam-boninahitry.15Niaraky tamin'i Debora gne andriako tao Isakara; ary Isakara niaraky tamin'i Baraka nikoropaky nagnaraky anazy tagny an-dohasaha izay teo ambany fifehezany. Tao amin'gne fokon'i Robena da nisy fikasan'gne fo lehibe.16Nahoana enao gne mipetraky eo afovoan'gne vala, mihaino gne mpiandry ondry midotry gne sodiny ho an'gne ondry aman'osiny? Raha gne ame fokon'i Robena da nisy fikasan'gne fo lehibe.17Nijanona tany an-dafin'i Jordana i Gileada; ary Dana, nahoa izy gne nivenjivenjy tegny ambony sambo? Nijano tegny amoron-dranomasina i Asera ary nidoboky tegny akaikin'gne seranan-tsambo.18Zebolona da foko nagnano vy very gne ainy hatramin'gne fahafatesa, ary Naftaly, evao koa, da teo ame sahan'ady.19Tonga gne mpanjaka, niady indreo; niady tagny Tanaka teo amoron'gne ranon'i Megido gne mpanjakan'i Kanana. Nefa tsy naka volafotsy ho robay indreo. 20Avy egny ame lanitry gne niadin'gne kintana, avy egny ame lalandreo magnera gne lanitry gne niadiandreo tamin'i Sisera.21Nifaoka andreo gne Renirano Kisona, gne renirano fahagola, gne Renirano Kisona. Mandrosoa avao ry fanahiko, matanjaha!22Ary da nikatrokatroka gne kitron'gne soavaly—mihazakazaka, da gne fihazakazak'gne maheriny.23'Ozony Meroza!' hoy gn'anjelin'i Yaveh. 'Ozogny da ozogny gne mponina ao aminazy!— satria indreo tsy tonga mba hanampy an'i Yaveh—hagnampy an'i Yaveh ame ady hanohitra gne mpiady mahery.'24Voatahy mihoatry noho gne viavy agnaby i Jaela, Jaela (gne vadin'i Hebera Kenita), voatahy mihoatry noho gne viavy rehetra izay midoboky ao an-day izy. 25Rano gne nangatahin-dralehilahy, ary ronono gne nomeny anazy; nitondrany dibera teo an-dovia natokana ho an'gne andriana izy.26Napetrany teo ame tsatokan-day gne tagnany, ary gne tagnany havana tame maritôn'gne mpiasa; da namely an'i Sisera tamin'gne maritô izy, norotorotehiny gne lohany. Raha nandefona gne firifany izy da nopotipotehiny ho rotirotiky gne karan-dohany.27Lavo teo agnelagnelan'gne tongony izy, niatota izy ary nidaraboky teo. Teo agnelagnelan'gne tongony izy gne nitsirara. Teo ame toera namonoa anazy tamin'angovo gne nahalavo anazy.28Nagnety teo ambaravarankely izy— nitsiriky teo ame makarakaran'gne varavarankely gne renin'i Sisera ary nangaiky mafy tame alahelo hoe: 'Nahoa no ela loatry vao tonga gne kalesiny? Nahoa gne kitron'gne sovaliny izay mitariky gne kalesiny no mitaredretra?'29Namaly gne hendry indrindra tame andriambaviny, ary izy tegnany evao gne namaly anazy hoe: 30"Tsy efa nahita sy nizara gne babo ve indreo? Viavy raiky, na viavy roy ho an'gne isan-dahy; fandrobana lamba mena ho an'i Sisera, fandrobana lamba mena misy peta-kofehy, lamba mena roy misy peta-kofehy ho eo am-bozon'gne nanafiky?'31Ho ringana anie gne fahavalonao agnaby, ry Yaveh! Fa gne namanao kosa da ho akô gne masoandro refa miboaky ame heriny." Da nandry tagnatiny gne efapolo taona gne tany.
1Nagnano izay ratsy teo imason'i Yaveh gne vahoakan'Israely, ary natolotriny teo an-tagnan'i Midiana tagnatiny gne fito tao indreo. 2Nampijaly gne Israely gne fahefan'i Midiana. Nohon'gne ame Midiana, da nagnano fialofa ho andreo tao ame zohy tegny ame havoana, tagny an-dava-bato, ary tao ame fiarova mafy gne vahoakan'Israely.3Ary isaky gne namboly gne vokatriny gne Israelita, da nanafiky andreo gne Midiana sy gne Amalekita ary gne olo avy agny atsignana. 4Nametraky gne tafiny teo ame tany indreo ary namotiky gne vokatry, tegny ame lala agnaby mandeha agny Gaza.Tsy namela sakafo ho an'gne Israely, na ondry, na biby fiompy, na ampondra indreo.5Isaky gne miakatry indreo sy gne biby fiompiny ary gne lainy, da akô gne andiam-balala gne fiavindreo, ary tsy tambo isaina na gne olo na gne ramevany. Nanafiky gne tany mba hamoteha izany indreo. 6Tena nampaosa an'gne Israelita tokôtry gne Midiana ka nanjary nangaiky mafy an'i Yaveh gne vahoakan'Israely.7Refa niantso mafy an'i Yaveh gne vahoakan'Israely nohon'gne amin'i Midiana, da nandefa mpaminany ho an'gne vahoakan'Israely i Yaveh. Hoy gne mpaminany tamindreo hoe: 8"Izao gne zakain'i Yaveh, Andriamanitr'Israely: 'Ninday anareo niakatry avy tagny Egypta Aho; ninday anareo nivoaky avy tao ame tragno fagnandevoza Aho.9Namonjy anareo teo ame tagnan'gne Egyptiana, sy teo ame tanan'ireo rehetra izay nampijaly anareo Aho. Nandroaka azy ireny teo agnatrehanareo, sy nagnome gne taniny ho anareo Aho. 10Hoy Izaho taminareo hoe: "Iaho gne Yaveh Andriamanitrareo; nandidy anareo tsy hanompo gne andriamanitry gne Amorita, agny ame tany honenanareo Aho." Nefa tsy nankatò gne feoko enareo.'"11Ary avy gne anjelin'i Yaveh ka nipetraka teo ambanin'gne hazo terebinta tao Ofra, izay an'i Joasy (gne Abiezrita), raha nanasaraka gne vary tame fivelezana izany tame tany, teo ame famiazana divay i Gideona, zanak'i Joasy—mba hagnafinia izany amin'gne Midianita. 12Niboky taminazy gne anjelin'i Yaveh ka nizaka taminazy hoe: "Momba anao i Yaveh, ry mpiady mahery!'"13Hoy Gideona taminazy: "Indrisy, ry tompoko, raha momba anay i Yaveh, nahoa no miboaky aminay izao rehetra izao? Aia gne asa mahagaga izay nozakain'gne razanay taminay, tamindreo nizaka hoe: "Tsy ninday anay niakatry avy tagny Egypta ve i Yaveh?' Nefa amizao da efa nahafoy anay da nanolotry anay teo an-tagnan'i Midiana i Yaveh."14Nagnety anazy Yaveh ka nizaka hoe: "Mandehana amin'izao hery efa hanagnanao izao. Afaho eo an-tagnan'i Midiana i Israely. Tsy efa nagniraky anao ve Aho?" 15Hoy Gideona taminazy: "Akognaia re ry Tompo gne hamonjeko an'Israely? Nefa, gne fianakaviako gne marefo tokôtry ao amin'i Manase, ary izaho gne farany tsy manan-danja tokôtry ao an-dragnon'gne raiko."16Hoy Yaveh taminazy: "Homba anao Aho, ary handresy gne tafiky gne Midianita agnaby akô gne olo raiky enao." 17Hoy Gideona taminazy, raha mahita fitia aminao iaho, da omeo famantara iaho fa enao tokôtry gne mizaka aminaha. 18Aza miala eto re, mandra-peviako eto aminao hinday gne fagnomeza ary hametraky izany eo agnatrehanao." Hoy i Yaveh: "Hiandry Aho mandra-piverinao."19Ary lasa i Gideona ka nanomana zanak'osy ary avy tame lafariny eran'gne efaha gne namboarany mofo tsy misy masirasira. Nanìny tao agnaty haro gne hena, ary nanìny tao agnaty vilagny gne rony da nindesiny teo aminazy teo ambanin'gne hazo terebinta, ary nasehony andreo. 20Hoy gne anjelin'Andriamamanitra taminazy: "Alay gne hena sy gne mofo tsy misy masirasira ka apetraho eo ambonin'ity vatolampy ity ireo, ary araraho ho eo amin'ireo gne rony." Da izany gne nanìn'i Gideona.21Ary gne anjelin'i Yaveh nagnatatry gne tendron'gne tehy tame tagnany. Tamin'izany gne nikasihany gne hena sy gne mofo tsy misy masirasira; nisy afo niakatry avy tao ame vatolampy ka nandevona gne hena sy gne mofo tsy misy masirasira. Avy eo da lasa gne anjelin'i Yaveh ka tsy nahita anazy intsony i Gideona.22Ary Gideona nahafantatry fa anjelin'i Yaveh izy. Hoy Gideona hoe: "Oh, ry Yaveh Andriamanitra! Fa nifagnatri-tava tame anjelin'i Yaveh aho!" 23Hoy Yaveh taminazy: "Fiadagna anie ho anao! Ka malia, fa tsy ho faty enao." 24Ary namboatry alitara ho an'i Yaveh teo i Gideona. Nangihany hoe: "Yaveh da fiadagna" izany. Mandraka androany da mbola mitsanga ao Ofran'gne fokon'i Abiezrita izany.25Ary tamin'izany alina izany da hoy Yaveh taminazy: "Alaivo aomby lahin-drainao, da gne aomby lahy faharoy izay efa fito tao, ravao gne alitaran'i Bala izay an'gne rainao, ary tapaho gne Aseraha izay eo agnilan'izany. 26Manangana alitara ho an'i Yaveh Andriamanitrao eo ame tampon'ity toera fialofana ity, da aoreno araky gne tokony ho izy izany. Atolory ho fagnatitry doroa gne omby lahy faharoa, ame fampiasa gne hazo avy ame Aseraha izay notapahinao."27Ka da nangala folo tamin'gne mpanompony i Gideona ary nagnano araky izay nozakain'i Yaveh taminazy. Ary satria natahotry loatra gne ankohonan-drainy sy gne lehilahy tao an-tanà gne hagnano izany agnatiny gne andro izy, da nanìny nandoaky aligny izany.28Refa mandray refa nifoha gne lehilahy tao an-tanà, da efa rava gne alitaran'i Bala, ary gne Aseraha teo agnilany da voatapaky, ary gne aomby lahy faharoa da namboary fagnatitry teo ame alitara izay vao natsanga. 29Gne lehilahy teo an-tanà da nifampiresaky hoe: "Ia gne nagnano anizao?" Refa niresaky tame hafa indreo ka nikaroky izay valiny, da hoy indreo: "Gideona zanak'i Joasy gne nagnano izao raha izao."30Ary hoy gne lehilahy tao an-tanà tamin'i Joasy hoe: "Avohay gne zanakao mba hovonoy ho faty, satria noravany gne alitaran'i Bala, ary satria notapahany gne Aseraha teo agnilan'izany."31Hoy i Joasy tamin'gne rehetra izay nanohitry azy hoe: "Hifona gne zava-misy ho an'i Bala ve enareo? Hamonjy azy ve enareo? Ndre ia ndre ia hifona ho azy, da aoka izy ho vonoy ho faty raha mbola mandray koa. Raha andriamanitra i Bala, aoka izy hiaro gne tegnany refa noravan'ny olo gne alitarany." 32Ary tamin'izany andro izany i Gideona da nangihandreo hoe: "Jerobala," satria hoy izy hoe: "Aoka hiaro gne tegnany i Bala," satria efa nandrava gne alitaran'i Bala i Gideona.33Ary gne Midianita sy gne Amalekita ary gne olo agnaby avy agny atsignana da niara-nivory. Niampita an'i Jordana indreo ary nitoby teo ame Lohasahan'i Jezirela.34Fa avy tamin'i Gideona gne fagnahin'i Yaveh. Nitsotry gne antsiva, nangaiky gne fianakaviam-ben'i Abiezrita i Gideona, mba hagnarahandreo anazy. 35Nandefa iraky eran'i Manase agnaby izy, ary indreo koa, da voaantso mba hagnaraky anazy. Nandefa iraky ho an'i Asera, Zebolona, ary Naftaly evao koa izy, ary niakatry mba hihao aminazy indreo."36Hoy Gideona tamin'Andriamanitra: "Raha nihevitry gne hampiasa anahy hamonjy an'Israely Ianao, araka izay nozakainao— 37Indro, iaho mametraky volon'ondry eo ame famoloana. Raha misy ando eo ame volon'ondry, ka maigny eo ame tany rehetra, da ho fantako fa hampiasa anahy mba hamonjy an'Israely Enao, araky izay nozakainao."38Akô izao gne niboaky—nifoha mandray be i Gideona gne amaraigny, niara-nofihazany gne volon'ondry, ary nisy ando nivoaky tame volon'ondry, ampy nahafeno lovia raiky gne rano.39Ary hoy Gideona tamin'Andriamanitra hoe: "Ka vignitry aminaha, fa mbola hireaka indraiky mandeha iaho. Avelao rô iaho mba hagnandra hampiasa indraiky mandeha gne volon'ondry. Ho maigny gne volon'ondry amin'io fotoa io, ary aoka ho feno ando gne tany magnodidy anazy." 40Nagnano izay nangatahiny Andriamanitra tamin'izany aligny izany. Gne volon'ondry da maigny, ary feno ando teo ame tany rehetra nagnodidy izany.
1Taorian'i Abimeleka, Tola zanak'i Poa zanak'i Dodo, lehilahy avy agny Isakara nipetraky tagny Samira, tagny ame tany havoan'gne Efraima, nitsanga mba hagnafaky an'Israely. 2Nitsara gne Israely tagnatiny gne telo amby roapolo taona izy. Maty izy ary nalevy tany Samira.3Nodimbiasin'i Jaira ilay Gileadita izy. Nitsara gne Israely tagnatiny gne roy amby roapolo tao izy.4Nanan-janaky telopolo lahy izay nimpitiky boriky telopolo izy, ary nana tanà telopolo indreo, izay angiha hoe Havota-jaira mandrak'androany, tagny ame tanin'i Gileada indreo.5Maty i Jaira ary nalevy tagny Kamona.6Nagnampy gne ratsy izay nanìndreo teo imason' i Yaveh gne vahoakan'i Israely ary nanompo gne Bala, gne Astarta, gne andriamanitr'i Arama, gne andriamanitr'i Sidona, gne andriamanitr'i Moaba, gne andriamanitry gne vahoakan'i Amona, ary gne andriamanitr'i Filistina. Niala an'i Yaveh indreo ary tsy nanompo Azy koa. 7Nirehitry tamin'i Israely gne havigniran'i Yaveh, ary namidiny teo an-tagnan'gne Filistina sy teo an-tagnan'gne Amonita indreo.8Namotiky sy nampahory gne vahoakan'Israely indreo tam'izany taona izany, ary nampijaliandreo tagnatiny gne valo amby folo tao gne vahoakan'i Israely agnaby izay tagny andafin'i Jordana tagny ame tanin'gne Amorita , izay agny Gileada.9Ary da nitsaky an'i Jordana mba hiady tamin'i Joda, tamin'i Benjamina, ary tame ankohonan'i Efraima gne Amorita, mba hampahory mafy an'Israely.10Da nangaiky mafy an'i Yaveh gne vahoakan'Israely, nagnano hoe: ''Efa nanota taminao izahay, satria niala Andriamanitray izahay ary nonompo gne Bala.'' 11Hoy i Yaveh tame vahoakan'Israely: ''Tsy angafaky anareo tamin'gne Egyptiana, Amorita, Amonita, Filistina, 12ary koa tamin'gne Sidoniana ve Aho? Nampijaly anareo gne Amalekita sy gne Maonita; da nangaiky mafy Anahy enareo, ary nafahako tame herin'indreo enareo.13Da mbola nikisaky Ahy indraiky enareo ary nanompo gne andriamani-kafa. Noho izany, tsy hagnampy gne fotoa hagnafahako anareo Iaho.14Mandehana ary angiho mafy gne andriamanitry izay notompoinareo. Avelao indreo hagnavotry anareo refa misy olana enareo.''15Hoy gne vahoakan'Israely tamin'i Yaveh: ''Nanota izahay. Ataovy aminay ndre ino ndre ino mety ho tsara Aminao. Fa kosa, mba avoty re iahay amin'ity andro ity.'' 16Da nagnendaky gne andriamanitry tsy izy teo aminazy indreo ary nanompo an'i Yaveh. Ary tsy zakan'i Yaveh koa gne fijalian'Israely.17Da niara-nivory gne Amonita ary nananga toby tao Gileada. Da niara-avy gne Israelita ary nananga gne tobiny tagny Mizpa.18Gne mpitariky gne vahoakan'i Gileada nifampiresaky hoe: ''Ia gne lehilahy izay hanomboky hiady amin'gne Amonita? Ho lasa mpitariky agnaby izay nidoboky tagny Gileada izy.''
1Nisy haiky avy ho an'gne lehilahin'i Efraima; namakivaky an'i Zafona indreo sady nizaka tamin'i Jefta hoe: "Nahoa enao gne nandeha hiady ame vahoakan'gne Amona ary tsy mangaiky anay hiaraky aminao? Hodoroanay enao sy gne tragnonao." 2Hoy i Jefta tamindreo hoe: "Iaho sy gne vahoakako da nana fifamalia zakabe tamin'gne vahoakan'i Amona.Tamin'gne nangaiky anao iaho, da tsy namonjy anahy teo amindreo enao.3Refa hitako fa tsy namonjy anahy enao, da napetrako tame tanjako agnaby gne fiaignako ary namakivaky gne vahoakan'i Amona iaho, ka nomen'i Yaveh anahy gne fandrese. Nahoa enao avy gne hiady aminaha ankehitriny? 4Nampivorin'i Jefta niaraky gne lehilahy agnaby tao Gileada ka niady tamin'i Efraima izy. Nanafiky an'gne lehilahin'i Efraima gne lehilahin'i Gileada satria hoy indreo hoe: "Enareo Gileadita da mpilefa agny Efraima—ao Efraima sy Manase."5Nosamborin'gne Gileadita gne fitàn'i Jordana mandeha agny Efraima. Raha misy amin'gne sisa velo mijaka hoe:"Avelay iaho hitsaky gne renirano," da hizaka andreo lehilahin'i Gileada hoe: Efraimita moa enao?" raha mizaka izy hoe: "Aeky"6da hizaka aminazy indreo hoe: "Tognony hoe: Shiboleta," ary raha mizaka izy hoe: "Siboleta" (satria tsy nahay nanogno gne zaka mazava izy), da hosamborin'gne Gileada izy ary hovonoy eo ame fitsakian'ny Jordana. Roy arivo sy efatra alina gne Efraimita novony tamin'izany fotoa izany.7Niasa akô gne mpitsara nagnera an'i Israely tagnatiny gne enina taona i Jefta. Avy eo da maty i Jefta gne Gileadita ary nalevy tao ame raiky amin'gne tanàn'gne Gileada.8Tafarany, da i Ibzana avy ao Betlehema gne niasa ho mpitsara an'i Israely.9Nana zanaky lahy telo-polo izy. Nahafoy zanaky viavy telo-polo hakary izy, ary ninday gne zanaky viavy telo-polo an'gne lehilahy hafa avy agny ivelany ho an'gne zanany lahy izy. Nitsara an'i Israely tagnatiny gne fito taona izy.10Maty Ibzana ary nalevy tao Betlehema. 11Tafarany da i Elona gne Zebolonita gne niasa akô gne mpitsara an'Israely . Nitsara an'Israely tagnatiny gne folo tao izy. 12Maty i Elona gne Zebolonita ary nalevy tao Aialona tagny ame tanin'i Zebolona.13Nagnaraky anazy, da i Abdona zanaky lahin' i Elela Piratonita gne niasa akô gne mpitsara an'Israely.14Nana zanakalahy efapolo izy ary zafikely lahy telopolo. Nipitiky ampondra fitopolo indreo. Ary nitsara an'Israely tagnatiny gne valo tao izy.15Maty i Abdona zanaky lahin'i Elela izay Piratonita ary nalevy tao Piratona tagny ame tanin'i Efraima tagny havoan'gne firenen'gne Amalekita.
1Nagnano izay ratsy teo imason'i Yaveh indraiky gne vahoakan'i Israely, ka natolotriny teo an-tagnan'gne Filistina tagnatiny gne efapolo tao indreo. 2Nisy lehilahy raiky avy agny Zora, avy ame fianakavian'gne Danita, Manoa gne agnarany.Tsy afaky nanagnanaky gne vadiny ka da tsy niteraky izy.3Nibôky tamin-draviavy gne anjelin'i Yaveh ka nagnano taminazy hoe: "Izao izy androany, tsy afaky nanagnanaky enao, ary tsy niteraky, nefa hanagnanaky enao ary hiteraky zazalahy. 4Ary mitandrema mba tsy hisotro divay na zava-pisotro mahery, ary aza mihina raha maloto. 5Da hanagnanaky enao ary hiteraky zazalahy. Tsy hisy hety ampiasay ame lohany, satria Nazirita ho an'Andriamanitra avy an-kibo gne zaza, ary izy gne hanomboky hagnafaky gne Israely eo an-tagnan'gne Filistina.''6Ary avy raviavy ka nijaka tame vadiny hoe: "Nisy lehilahin'Andriamanitra avy taminaha, ary akô gne anjelin'Andriamanitra gne fagnitea anazy, tena mampitahotry. Tsy nagnontany anazy izay niaviany iaho, ary tsy niroho taminaha gne agnarany izy. 7Da hoy izy taminaha hoe: "Izao, hanagnanaky ary hiteraky zazalahy enao. Koa noho izany da ka misotro divay na zava-pisotro mahery, ary ka mihina sakafo izay ambaran'gne lalàna fa maloto, satria gne zaza da ho Nazarita ho an'Andriamanitra manomboka ame fotoa maha ao atroky anazy ka hatramin'gne andro hahafatesany.''8Da nivavaky tamin'i Yaveh i Manoa ka nagnano hoe: "Tompo o, mba apetrahy gne lehilahin'Andriamanitra nirahinao hipody aminay indraiky mba hampianarany anay izay tokony ataonay ame zaza izay ho teraky tsy ho ela." 9Namaly gne vavak'i Manoa i Yaveh, ka avy tamin-draviavy indraiky gne anjelin'Andriamanitra raha nidoboky tagny an-tonda izy. Nefa tsy niaraky taminazy i Manoa vadiny.10Koa nigodogodoky mafy raviavy ary nizaka gne vadiny hoe: "Niboaky taminaha igny lehilahy_igny avy taminahy indraiky andro iny!" 11Da nitsanga i Manoa ka nagnaraky am-badiny. Refa avy teo amin'gne lehilahy izy, da hoy izy hoe: "Enao ve gne lehilahy niresaky tame vadiko?" Da hoy ralehilahy hoe: "Iaho izy."12Ka da hoy i Manoa hoe: "Androany ho tò gne zakanao. Ino gne ho fitsipiky ho an'gne zaza, ary ino no ho asany?" 13Hoy gne anjelin'i Yaveh tamin'i Manoa hoe: "Tsy maintsy hagnano am-pitandrema gne raha agnaby izay nozakaiko taminazy izy. 14Tsy afaky mihina ndre ino ndre ino izay avy ame voaloboka izy, ary ka omė misotro divay na zava-pisotro mahery; ka ome mihina sakafo izay ambaran'gne lalàna fa maloto izy. Tokony hankato gne raha agnaby nandidiako anazy ho anìniny izy."15Hoy i Manoa tamin'gne anjelin'i Yaveh hoe: "Mba mijanona kelikely rô, mba hagnome fotoa anay hikarakara zanak'osy ho anao.'' 16Hoy gne anjelin'i Yaveh tamin'i Manoa hoe: "Ndre da hijano aza iaho, da tsy hihina gne sakafonao akory.Fa raha manomagny fagnatitry doroa enao, da atolory ho an'i Yaveh izany.'' (Tsy lalan'i Manoa fa anjelin'i Yaveh izy.)17Da hoy i Manoa tamin'gne anjelin'i Yaveh hoe: "Ia gne agnaranao, mba hahafahanay magnome voninahitry anao refa tanteraky gne zakanao?'' 18Da hoy gne anjelin'i Yaveh taminazy hoe: "Nahoa gne magnontany gne agnarako enao? Mahafaly izany!"19Ary nalain'i Manoa niaraky tame fagnatitry hohany gne zanak'osy ka natolotriny teo ambony vatolampy ho an'i Yaveh ireo. Nagnano raha-mahagaga izy raha igny nagnety igny i Manoa sy gne vadiny. 20Refa niakatry avy teo ame alitara niakatry an-dagnitry gne lela afo, da niakatry tao agnatin'gne lela afon'gne alitara gne anjelin'i Yaveh. Nahita izany i Manoa sy gne vadiny ary nampandongaliky gne tarehindreo tame tagny.21Tsy niseho tamin'i Manoa sy gne vadiny intsony gne anjelin'i Yaveh. Ary fantatr'i Manoa fa anjelin'i Yaveh izy. 22Hoy i Manoa tame vadiny hoe: "Ho faty tokoa isika, satria niseho tamintsika Andriamanitra!"23Nefa hoy gne vadiny taminazy hoe: "Raha te hamono antsika Andriamanitra, da tsy nandray gne fagnatitry doroa sy gne fagnatitry hohany nomentsika azy Izy. Tsy tokony nampiseho antsika regny raha agnaby iregny Izy, na namela antsika handre raha akô izany amin'izao fotoa izao."24Taty afara da niteraky zazalahy raviavy, ary naniny hoe Samsona gne agnarany. Nihalehibe gne zaza ary nitahy azy i Yaveh. 25Nanomboky nagnetsiky anazy tagny Mahana-dana gne Fagnahin'Andriamanitra, teo agnelanelan'i Zora sy Estaola.
1Nandeha tagny Gaza i Samsona ary nahita mpivaro-tegna tagny, ka niara-nandry taminazy izy. 2Da nizaka gne Gazita hoe: "Tonga teto i Samsona." Nodidinin'gne Gazita gne toerana, nandigny anazy teo ame vavahadin'gne tanà tagnatiny gne aligny indreo. Nitagna gne fahanginagny tagnatiny gne aligny. Nizaka indreo hoe: "Avelay iahay handigny mandra-pahazavan'gne andro, ary avy eo apetrahy iahay hamono anazy."3Nijano teo am-pandria i Samsona mandram-pisasaky gne alingny. Tame sasak'aly da nifoha izy ary nobatainy gne vavahady sy gne tolàny roy. Nambotany niala tame tany gne hidiny sy gne rehetra napetrany teo ame sorokiny izany, ary nindesiny niakatry tagny an-tampon'gne havoa ireo, teo anoloan'i Hebrona.4Tafaran'izay, da nitia viavy iray izay nipetraky tagny an-dohasahan'i Soreka i Samsona, Delila gne agnarany.
1Nisy lelahy raiky tagny ame tany havoan'i Efraima, ary Mika gne agnarany. 2Hoy izy tame reniny: ''Ny sekely volafotsy 1.100 izay nalay taminao, mahakasiky gne ozona noresahinao, izay reko__ka ity! Mana volafotsy iaho aty aminaha. Iaho gne nangalatry izany.'' Da hoy gne reniny: ''Ho tahian'i Yaveh anie enao, ry zanako!''3Napodiny tagny ame reniny gne sekely volafotsy 1.100 ary hoy gne reniny taminazy: ''Hatokako ho an'i Yaveh ity volafotsy ity, fa hagnamboatry sarin-draha voasokitry sy sarin-draha an'idina gne zanako lahy. Ka ankehitriny, da averiko aminao ity.'' 4Refa naveriny tame reniny gne vola, da nangala sekely volafotsy roanjato gne reniny ary nomeny gne mpanefy vy izay nagnano ireo ho sarin-draha voasokitry sy an'idina izany, ary napetraky tao an-tranon'i Mika ireo.5Ilay lehilahy hoe Mika da nana tranon-tsampy ary nagnamboatry efoda sy tokantranon'gne andriamanitra izy, ary nagnakarama raiky tamin'gne zanany lahy izy mba ho lasa mpisorony.6Ary tamin'ireo andro ireo da tsy nisy mpanjaka tagny Israely, ary nagnano izay marina teo imasony gne olo agnaby.7Ary nisy zatovo lahin'i Betlehema raiky tagny Joda, avy ame fianakavian'i Joda, izay Levita. Nijano tagny izy mba hagnano gne adidiny. 8Niala tao Betlehema tao Joda ralehilahy mba handeha ary hitady toera hidoboha. Refa nandeha izy, da avy tagny an-dragnon'i Mika tagny ame tany havoan'i Efraima. 9Da hoy Mika taminazy: ''Avy aia gne fiavianao?'' Ary hoy ralehilahy taminazy: ''Levita an'i Betlehema tao Joda iaho, ary nandea iaho mba hitady toera izay mety hodiaako.''10Da hoy i Mika taminazy: ''Mijanona eto aminaha, ary aoka enao ho ray sy ho mpisorona ho anahy. Homeko sekely volafotsy folo isan-tao, siky fitafy, ary gne haninao enao.'' Koa da niditry tao an-dragnony gne Levita.11Da nahafaly an'gne Levita gne hidoboky miaraky amin-dralehilahy, ary ho an'i Mika da lasa akô gne raiky amin'gne zanany lahy gne tovolahy.12Natokan'i Mika ho an'gne adidy masy gne Levita, ary lasa mpisorony gne tovolahy, ary tao an-dragnon'i Mika. 13Ary hoy i Mika: ''Fantako androany fa hagnano soa ho ahy i Yaveh, satria lasa mpisoroko ity Levita ity.''
1Ary nivoaky toy gne olo ray gne olon'Israely, avy agny Dana ka hatragny Beri-sheba, anisan'izany evao koa gne tanin'i Gileada, ary niara-nivory teo agnatrehan'i Yaveh tagny Mizpa indreo. 2Gne lehiben'i vahoaky agnaby, gne fokon'Israely agnaby, nandray gne toerandreo tao ame fiangonan'gne vahoakan'Andriamanitra—lehilahy 400.000 mandeha tongotry, izay vonona hiady ame sabatry.3Ary ren'gne olon'i Benjamina fa niakatra tagny Mizpa gne vahoakan'Israely. Gne olon'Israely nizaka hoe: "Lazao anay hoe ahoana no nahatonga izao zava-dratsy izao." 4Ilay Levita, vadin-draviavy raiky izay novonoina, namaly hoe: "Nandeha tagny Gibea agny ame faritry izay an'i Benjamina iaho, iaho sy gne vaditsindranoko, mba handany gne aligny.5Tagnatiny gne aligny, da nanafiky anahy gne mpitarik'i Gibea, nagnodidy ilay tragno ary nisinisiniky gne hamono anahy. Nosamboriny sy naolakindreo gne vaditsindranoko, ka maty izy. 6Nalaiko gne vaditsindranoko ary notapatapahiko gne vatany, ary nalefako tagny ame faritry gne lovan'Israely tsiraidraiky ireo, satria namboatry faharatsia sy fanafintohigna akô izany tagny Israely indreo. 7Androany, enareo Israelita agnaby, omeo gne hevitrareo ary magnambara hevitra etoana.''8Niara-nitsanga akô gne olo raiky gne vahoaka agnaby, ary hoy indreo hoe: "Tsy hisy aminay handeha ame lainy, ary tsy hisy aminay hiverina ao an-dragnony! 9Fa androany kosa da izao no tsy maintsy ataontsika an'i Gibea: hanafiky anandreo araky gne hitarihan'gne filokana antsika isika .10Hangala lehilahy folo ame zato magnera gne fokon'Israely agnaby isika, sy zato ame arivo, ary arivo ame ray alina, mba haka vatsy ho an'ireo olo ireo, ka refa avy agny Gibea agny Benjamina indreo, da hosaziana ame ratsy izay nanìndreo tagny Israely." 11Noho izany da vory hanohitry gne tanà, akô gne olo raiky, gne miaramilan'Israely agnaby.12Nandefa lehilahy tagny ame fokon'i Benjamina gne fokon'Israely, nilaza hoe: "Ino izao ratsy nataonareo teo aminareo izao?13Noho izany, omeo anay ireo lehilahy ratsy fagnahy agny Gibea ireo, mba hahafahanay mamono ho faty andreo, ary mba hangalanay tanteraky izany ratsy izany amin'i Israely." Fa i Benjamina da tsy te-handre gne zakan'ireo rahalahiny, ireo olon'Israely. 14Ary niara-nivoaky gne tanà gne olon'i Benjamina mba hivonona hiady ame olon'Israely.15Ary niara-nindesy avy tao ame tanàndreo gne olon'Israely mba hiady ame miaramila enina arivo sy roy aly izay efa voaofana hiady ame sabatry. Ankoatr'izay, da nisy lehilahy fitonjato voafidy avy amin'gne mponin'i Gibea.16Teo amin'gne miaramila agnaby da nisy lehilahy fito arivo voafidy izay kavia. Gne tsiraidraiky tamindreo da mahavita mitoraky singam-bolo ame vaton'gne pilotry ka tsy mivena.17Gne vahoakan'Israely, raha tsy isay gne avy amin'i Benjamina, da miisa 400.000 olona, izay voaomana hiady ame sabatry. Izy agnaby io da lehilahy mpiady. 18Nitsanga gne olon'Israely, nandeha tagny Betela, ary nangataky torohevitry tamin'Andriamanitry; Nagnontany indreo hoe: "Ia gne hanafiky voalohany an'gne olon'i Benjamina ho anay?" ary Yaveh nilaza hoe: "Joda gne hanafiky voalohany."19Nifoha mandray gne olon'Israely ary namindra gne tobiny akaikin'i Gibea. 20Niakatry hiady amin'i Benjamina gne olon'Israely. Nametraky gne toera ame ady tany Gibea indreo. 21Nivoaky avy agny Gibea gne olon'i Benjamina, ary namono lehilahin'gne tafik'Israely roy arivo sy roy aly tam'izany andro izany.22Fa nampahery tegna gne olon'Israely ary namorogny filahara teo amin'gne toera izay nilaharandreo tame andro voalohany indreo. 23Ary niakatry gne olon'Israely ka nitomany teo agnoloan'i Yaveh mandra-pahariva gne andro indreo, ary nitady lala tamin'i Yaveh indreo. Hoy izy ireo hoe: "Moa ve tokony handeha hiady amin'gne rahalahinay izahay, gne olon'i Benjamina?" Ary Yaveh nizaka hoe: "Tafiho indreo!"24Ka nandeha nanohitry ireo miaramilan'i Benjamina ireo olon'Israely gne andro faharoy. 25Tame andro faharoy, da nivoaky nanohitry andreo tagny Gibea i Benjamina ary namono lehilahy valo arivo sy ray aly avy tame olon'Israely. Izy agnaby da lehilahy voaoma hiady ame sabatra.26Da nandeha niakatry ho agny Betela agnaby ireo miaramilan'Israely sy gne vahoaka agnaby ka nitomagny, ary nidoboky teo agnoloan'i Yaveh tany izy ireo ary nifady hany mandra-pahariva tamin'izany andro izany ary nanolotry fagnatitry dorana sy fagnati-pihavana teo agnatrehan'i Yaveh.27Nagnontany an'i Yaveh ireo olon'Israely—satria tagny gne fiaran'gne faneken'Andriamanitra tamin'izany andro izany, 28ary nanompo teo agnatrehan'gne fiara i Fineasy zanak'i Eliazara zanaka lahin'iArona tamin'izany andro izany—"Tokony hivoaka hiady ame olon'i Benjamina, rahalahinay, indray mandeha koa ve izahay sa hijanona?" Hoy Yaveh hoe: "Tafiho, satria hanampy anareo handresy andreo Aho rahampitso."29Koa da nametraky olo tagny ame toera mifiny nagnodidy an'i Gibea i Israely. 30Niady tamin'ireo olon'i Benjamina ireo olon'Israely tame andro fahatelo, ary nametraky gne filaharan'ady nanohitry an'i Gibea indreo araky izay efa nanìny teo aloha.31Nandeha ka niady tamin'ireo vahoaky gne olon'i Benjamina, ary voaroaky niala gne tanà indreo. Nanomboky namono gne sasany tamin'gne vahoaka indreo. Teo ame olon'Israely telopolo teo no maty tany an-tsaha sy tegny an-dala. Gne raiky tamin'ireo lala da niakatry nandeha agny Betela, ary gne raiky hafa da nandeha agny Gibea.32Da hoy gne olon'i Benjamina hoe: "Resy indreo ary nilefa lavitry antsika, akô gne tame voalohany evao." Saingy hoy gne miaramilan'Israely hoe: "Aska isika higodogodoky hipody ka handroaky andreo hiala ame tanà ho egny an-dalana."33Da nitsanga avy teo ame toitrindreo gne olon'Israely agnaby ary nagnano filaharan'ady tagny Bala-tamara. Da nihazakazaky nivoaky avy tao ame fitoerany gne miaramilan'Israely izay nifiny tao ame toera fifinia tao Mare-gibea.34Da nisy lehilahy voafantigny ray alina avy agny Israely nivoaky hanohitra an'i Gibea, ary namaivay gne ady, fa tsy nahalala ireo Benjamita fa nananontanona andreo gne loza. 35Nandresy an'i Benjamina teo agnoloan'Israely i Yaveh. Tamin'izany andro izany, da nahafaty olon'i Benjamina 25.100 gne miaramilan'Israely. Gne maty da gne izay efa vaomagny hiady ame sabatra.36Ary hitan'ireo miaramilan'i Benjamina fa resy indreo. Nagnome lala an'i Benjamina gne olon'Israely, satria nahatoky gne olo izay napetrakindreo tagny ame fitoera nifiny tany ivelan'i Gibea indreo.37Da nitsanga gne lehilahy nifiny ka nirifatry tagny Gibea nalaky, ary tame sabatrindreo gne namonoany gne olo agnaby izay nonina tao an-tanà.38Gne famantara nifagnaraha teo amin'gne miaramialan'Israely sy gne lehilahy nifiny mangingy da hisy rahon-tsetroka zakabe hiakatry avy ao an-tanà.39Refa lasa gne famantarana da nilavo lefo tame ady gne miramilan'Israely. Ary nanomboky nanafiky i Benjamina ka nahafaty olon'Israely magnodidy gne telopolo, ary hoy indreo hoe: "Azo antoka fa resy eo agnatrehantsika indreo, akô gne tame ady voalohany."40Refa nanomboky nisy andrin-drahona nivoaky avy tao ame tanà, da nitodiky gne Benjamita ka nahita setroky niakatry gne lagnitry avy eo ame tanà manontolo.41Da nivadiky tamindreo gne olon'Israely. Raiki-tahotry gne lehilahin'i Benjamina, fa hitandreo fa avy tamindreo gne loza.42Noho izany da nilefa an'gne olon'Israely indreo, nilefa tagny ame lala mandeha an'efitra. Nefa nahatratry andreo gne ady. Nivoaky gne tanà gne miaramilan'Israely ka nahafaty andreo tegny amin'izay nitsanganany.43Nihodidy an'gne Benjamita indreo, nagnano haza-lambo andreo ary nanosiosy andreo tagny Noaha, tagny ame lalan'gne ilany antsinanan'i Gibea.44Valo arivo sy ray aly gne olo maty avy tao ame fokon'i Benjamina, gne akamaroandreo da lehilahy niavaky tame ady.45Nihodigny indreo ary nandositry nizotry nandeha an'efitra tagny ame vatolampin'i Rimona. Nahafaty olona dimy arivo hafa tamindreo gne Israelita tegny an-dala. Nagnia andreo evao indreo, ary nagnaraky andreo akaiky tagny an-dala nandeha agny Gidoma, ary tagny gne namonoandreo olo roy arivo fagnampiny.46Dimy arivo sy roy aly gne miaramilan'i Benjamina rehetra lavo tamin'izany andro izany—da lehilahy izay voaomagny hiady ame sabatry; izy agnaby da niavaky tame ady.47Nefa lehilahy eninjato gne nihodigny ka nilefa tagny an'efitra, nandeha ame vatolampin'i Rimona. Nidoboky tagny ame vatolampin'i Rimona tagnatiny gne efa-bola indreo. 48Nipody hanohitry gne olon'i Benjamina gne miaramilan'Israely ary nanafiky sy namono andreo—gne tanà agnaby, gne biby fiompy, ary gne agnaby izay hitandreo. Nodoroandreo evao koa gne tanà agnaby tegny ame lalandreo.
1Ary gne lehilahin'Israely nagnano fampagnantegna tao Mizpa hoe: "Tsy hisy amintsika hagnome gne zanany vavy hanambady Benjamita." 2Da nandeha agny Betela gne vahoaky ka nidoboky tagny teo agnatrehan'Andriamanitry hatramin'gne hariva, ary nitomagny mafy tame feo abo indreo. 3Hoy indreo nangaiky mafy: "Nahoa, ry Yaveh, Andriamanitr'Israely, gne da niboaky tame Israely izao, ka tsy ho eto aminay koa gne raiky amin'gne fokonay ankehitriny?"4Nifoha mandray gne vahoaky gne amarain'igny ka nananga alitara teo ary nanolotry fagnatitry doroa sy fagnati-pihavana. 5Hoy gne vahoakan'Israely hoe: "Iza tamin'gne fokon'Israely gne tsy niakatry tao ame fiangona tagny amin'i Yaveh?" Satria nagnano fampagnantegna zakabe tokoa indreo mahakasiky gne olo izay tsy niakatry teo amin'i Yaveh tagny Mizpa. Hoy indreo hoe: "Tena hovonoy ho faty izy.''6Nana fangoraham-po tamin'i Benjamina rahalahindreo gne vahoakan'Israely. Hoy indreo hoe: "Voafongotry tsy ho eo ame Israely gne foko raiky ankehitriny. 7Iza gne hagnome vady gne sisa tavela, satria efa nagnano fampagnantegna tamin'i Yaveh isika fa tsy hamela andreo hanambady gne zanantsika viavy?"8Hoy indreo hoe: "Iza tamin'ireo fokon'i Israely gne tsy niakatry tagny amin'i Yaveh tagny Mizpa?" Fantatry fa tsy nisy olo avy tao ame fiangona gne avy tagny Jabesy Gileada. 9Fa refa niainga tame fomba nirindra gne vahoaky, da tsy nisy avy teo gne mponin'i Jabesy Gileada. 10Nagniraky roy arivo sy ray aly tamin'gne lehilahy be herim-po indrindra miaraky ame toromariky gne fiangona mba handeha agny Jabesy Gileada ka hanafika andreo, ary hamono andreo, eny fa ndre da gne zaza amam-biavy aza.11"Izao gne ataovy: tsy maintsy vonoinareo gne lehilahy agnaby sy gne viavy agnaby izay efa niara-nandry tame lehilahy." 12Nahita tovovavy efajato izay mbola tsy niara-nandry tame lehilahy tamin'gne velo tao Jabesy Gileada gne lehilahy, ka nendesindreo tagny an-toby tagny Silo, tagny Kanàna indreo.13Nandefa hafatry tamin'gne vahoakan'i Benjamina izay tagny ame harambaton'i Rimona gne fiangona agnaby fa nanolotry fihavana ho anazy ireo indreo. 14Nipody tam'izany andro izany gne Benjamita ary nome andreo gne viavin'i Jabesy Gileada, nefa tsy ampy ho anazy agnaby gne viavy. 15Nanenina tamin'izay nitranga tamin'i Benjamina gne vahoaky, satria nozarazarain'i Yaveh gne fokon'Israely.16Da hoy gne mpitariky gne fiangona hoe: "Hanìntsika akognaia gne hagnomeza vady ho an'gne Benjamita izay sisa tavela, satria efa novonoina gne viavin'gne Benjamina?"17Hoy indreo hoe: "Tsy maintsy misy lova ho an'ireo sisa velon'i Benjamina, mba tsy hisy foko voaringana ame Israely.18Tsy afaky magnome vady avy amin'gne zanakay viavy ho andreo izahay, satria nagnano fampagnantegna gne vahoakan'Israely hoe: 'Voaozo izay magnome vady an'i Benjamina.'" 19Da hoy indreo hoe: "Fantatrareo fa isan-tao da misy andro firavoravoa ho an'i Yaveh agny Silo (avaratr'i Betela, atsignanan'gne lala miakatry avy agny Betela mankany Sekema, ary atsimon'i Lebona)."20Nandidy gne lehilahin'gne Benjamina indreo, nagnano hoe: "Mandehana ka mifinia ary miandrasa ao ame tanim-boaloboky.21Miandrasa gne fotoa izay hivoahan'gne zazaviavy avy agny Silo handihy, da mivoaha malaky avy ao ame tanim-boaloboky ka misambora vady avy amin'gne zazavavy avy agny Silo gne tsirairay avy aminareo, avy eo da miveregna agny ame tanin'i Benjamina.22Rehefa tonga hanohitry antsika gne raindreo na gne anadahindreo, da hizaka isika hoe: 'Agnaboahy famindram-po izahay! Avelay indreo hijano satria tsy mba nahazo vady ho an'gne lehilahy tsirairay nandritry gne ady izahay. Tsy manan-tsiny enareo, satria tsy nomenareo andreo gne zanakareo vavy."23Nataon'gne vahoakan'i Benjamina izany. Nalaindreo tamin'gne zazaviavy izay nandihy gne isan'gne vady izay nilaindreo ka da nentindreo ho vadiny indreo. Lasa izy ireo ary nipody tagny ame toeran -dovandreo. Nahorindreo indraiky gne tanà sy nipetraky tao amin'izany. 24Da nandao izany toera izany ka nandeha nody gne vahoakan'i Israely, samy agny ame foko sy gne fianakaviany avy, ary samy agny ame lovany avy.25Tsy nisy mpanjaka tao Israely tamin'izany andro izany. Samy nanao izay marina teo imasony gne olo agnaby.
1Tame andro nanapahanireo mpitsara da nisy mosary teo ame tany, ary nisy lelahy raiky avy tao Betlehema-Joda nandeha tagny ame tanin'i Moaba niaraky tame vadiny sy gne zanany roy lahy. 2Gne agnarany da Elimeleka, ary gne agnarany gne vadiny da Naomy. Gne agnarany gne zanany roy da Malona sy Kiliona, izay Efratita avy agny Betlehema-Joda. Avy tagny ame tanin'i Moaba indreo ka nipetraky teo.3Ary da maty i Elimeleka, vadin'i Naomy, ka izy gne sisa nipetraky niaraky tame zanany roy lahy. 4Gne zanany io da nangalaky vady tame viavy Moaba, gne agnarany gne raiky da i Orpa, ary gne raiky da Rota. Nipetraky tao folo taogny ndreo. 5Avy eo da maty i Malona sy Kiliona, namela an'i Naomy tsy mana vady ary tsy misy anireo zanany roy.6Avy eo Naomy nanapa-kevitry gne hiala an'i Moaba miaraky ame vinatony vavy ary niverina tany Joda satria efa henony tao ame faritr'i Moaba fa efa nanampy gne vahoakany izy nila fagnampiagny i Yaveh ary nagnome sakafo azy ireo. 7Da nandalo gne teoragny izay niarahany tame gne vignatony vavy roa izy, ka nandeha nidigny gne lalagny indreo mba hiverigny ame tanin'i Joda.8Hoy i Naomy tamireo vinatony vavy roy hoe: " Mandana, miverigny, agny ame tragnon-dreninareo, anareo tsirairay aby. Yaveh ane hagnaboky gne hatsara fagnahiny aminareo, mitovy gne nampisehony hatsaram-pagnahiny tame maty sy amiko. 9Gne Tompo ane hagnome anareo ka hahitanareo fiadanagny, anareo tsirairay avy ao ame tragnon'ny vady hafa. "Ary nagnoroky andreo izy sady nitomagny. 10Hoy izy ireo taminy hoe: "Tsia hiara-kiverigny aminao ho agny ame vahoakanao iahy."11Nefa i Naomy nizaka hoe: "Mandana miverigny, ry zanako vavy! Nagny anareo no handeha hagnaraky ahy? Mbola hanagny hanaky ve aho hoy anareo, ka ho lasa vadinareo indreo? 12Mandana miverigny, ry zanako vavy, zory gne lalanareo, fa efa antitry aho raha hanambady. Raha mizaka iaho hoe: "Magnategna iaho fa ahazo vady androany ariva, ary hiteraky zaza lahy, 13da mbola hahandry handigny azy ho olom-be ve anareo? Handigny ve anareo ary tsy hanam-bady lehila ankehitriny? Tsia, ry zanako vavy! Mampalahelo anaha izany, mihotry gne alahelonareo gne amizany, satria gne tanan'Yaveh gne namela ahy."14Ary nanandratry gne feony gne vinatony vavy sady nitomagny koa. Nangoriky nangnano veloma gne rafozany vavy i Orpa, fa i Rota nifikitry teo aminy. 15Hoy Naomy hoe: "Tenomo, nody tany aminareo vahoakany sy ireo andriamaniny gne zaobavinao. Miveregna miaraky ame zaobavinao."16Nefa i Rota nizaka hoe: "Aza avela hagnalavitry anao aho, fa izay andehananao, da misy anaha; gne izanognanao, da izanognako, gne vaohakanao, da vaohako, ary gne Andriamanitrao da ho Andriamanitro. 17Gne toeragny hahafatesanao da hahafatesako, ary agny no handevegnagny anaha. Yaveh ane hagnasazy anaha, ary mihotry aza, raha gne fahafatesagny fa tsy gne raha hafa no mampisaraky antsika." 18Raha hitan'i Naomy fa tapa-kevitry handeha hiaraky aminy i Rota da najanogniny gne adi-hevitry taminy.19Da nandeha izy roy mandra-pantongany indreo tao an-tanan'i Betlehema. Izao gne nitragna rehefa tonga tao Betlehema indreo, gne tao an-tanagny manotolo da taitry tamindreo. Hoy gne viavy hoe: "Naomy ve ity? 20Kanefa hoy izy tamindreo hoe: "Kanigny hoe Naomy zany iaho. Anio Mara, satria nampitondra anaha gne mangidy. 21Nizotso feno Aho, nefa Yaveh nitondra ahy niverigny tame tagna folo nipody tato andragno. Noho izany nagnino anareo mangaiky anaha hoe Naomy, ame fahitagna gne nagnameloany Yaveh anaha, fa gne tsitoha da nampahory anaha?"22Ary Naomy sy Rota ilay Moabita, vinatovaviny dia niverigny tany ame tanin'i Mobaa. Tonga tao Betlehema indreo tame filaham-bary.
1Ary Elimeleka, vadin'i Naomy, da nanagny havagny akaiky, i Boaza, gne mana-karegna sasy managny fahefagny. 2Rota, ilay Moabita, nizaka tamin' i Naomy hoe: "Amizao apetray iaho handeha ary hitsipogny gne sisa tavela amireo kararaky egny an-tsaha. Hagnaraky izay olo hahitako fitia eo amasony aho." Ka hoy Naomy taminy hoe: "Mandana, ry zanako vavy."3Da lasa i Rota ary nitsipogny gne sisa nipetraky teo ame tanim-bary raha avy nilaigny. Ary sendra tonga teo ame anjara tanim-barin'i Boaza, havan'i Elimeleka izy. 4Ary io Boaza avy agny Betlehema ary nizaka tame mpila vary hoe: "Ho avy aminareo ane i Yaveh." Namaly azy indreo hoe: "Hitahy anao ane Yaveh."5Ary Boaza nizaka tame gne mpanompony izay nagnara-maso gne pila vary hoe: "Zanak'ia sa io viavy io?" 6Ilay mpanompo mpagnara-maso gne mpila vary namaly ary nizaka hoe: "Viavy Moabita io niaraky niverina tamin'i Naomy avy amin'gne tanign'e Moaba io. 7Nizaka tamiko izy hoe: 'Mba apetray re iaho hitsipogny gne sisa eo ame tanim-bary raha avy nila gne vokatry gne mpiasa.' Koa da tonga teo izy ka nanohy nanomboky tame mandraigny ka mandrakizao, nangalaky aigny andragno izy."8Da hoy Boaza tamy Rota: "Miteno anaha ve anao, anaka? Aza mandeha mitsipogny agny ame tanim-bary hafa, aza miala gne tanim-bariko. Fa kosa, mijanogny etoa ka miaraky miasa amireo viavy mpiasako. 9Eo ame tanim-bary hilany gne lelahy avao gne masoa fatoky da magnara avy afarandreo gne viavy hafa. Tsy efa nizaka ireo zatovo tsy hikasiky anao ve iaho? Ndre ovia ndre ovia anao gne magnetaheta, da afaka mandalo ame signin-drano anao ary mosaotro gne rano izay nantsakain'ireo zatovo."10Da nandohaliky teo agnatrehan'i Boaza izy, nampikasiky gne lohany tame tany. Hoy izy taminy: "Nagnino da nahita fitia teo imasonao iaho, ka mataotry aihy anao, iaho azaky mpivahiny?" 11Namaly i Boaza ka nizaka: "Voatatitry taty amiko, izany rehetra naninao hatrame gne nahafatesan'nge vadinao. Niala gne rainao, gne reninao, ary gne tany nilatsahan'gne tadi-poitrao anao mba hagnaraky gne rafozam-bavinao ka handeha ho agny ame vahoaka izay tsy fantatrao. 12Andriamanitra ane hamaly fitia anao noho gne asanao. Enga ane ianao handray gne valiny feno avy amin'Yaveh, Andriamanitr'Israely, izay nahitanao felofagny tao ambany gne elatriny."13Da hoy izy avy eo: "Aoka hahita fitia eo imasonao iaho, tompoko, fa nampangigny anaha anao, ary nizaka tame fahatsoram-po tamiko, na da tsy isan'ireo mpanompo vavinao azaky iaho."14Tame ora fisakafoanagny da hoy Boaza tamy Rota: "Avia etoa, ary mihinana ame mofo, ary ahidiro ame divay mafaitry gne tapany gne mofonao." Da nidoboky teo akaikin'gne mpila vary izy, ary nanolotry vary voendy ho anazy izy. Nihinagny izy mandra-paha vokiny, ary da nampetragny gne tsy lany.15Raha izy nitsangagny handraoky voa igny da nibaiko gne lehilahy i Boaza, nagnano hoe: "Apetray izy handroky gne voa ndre da eo amireo amboara azaky, ary ka mandrara anazy. 16Ary magnatsipaza vim-bary maromaro avy ame amboara ho azy mba ho rofiny, ary ka vignitry anazy."17Da nitsipogny tegny abazary izy mandra-pahariva gne andro. Avy eo da nadisagny eo fotsim-bary azony izy, ary vary hordea teo ame raiky efaha izany. 18Nampekariny izany ka nandeha an-tanagny izy. Avy eo da hitany gne rafozam-baviny gne azony. Nitondra vary nendasigny ambin'ilay hanigny koa i Rota ka nomeny ho anazy.19Hoy gne rafozam-baviny taminy hoe: "Taiza anao no nitsipogny androhany? Taiza anao no nandeha niasa? Ho tahigny ane gne lehila nagnempy anao." Da nizakainy Rota tame rafozam-baviny gne momba gne lehila izay nanagny gne tany niasany. Hoy izy hoe: "Boaza gne agnarany gne tompon'gne tany niasako androhany." 20Hoy Naomy tame vinantovaviny hoe: "Ho tahin'i Yaveh, ilay tsy nahafoy gne fahitsiany tame vologny sy gne maty ane izy." Hoy i Naomy taminy: "Havatsika akaiky izany lehila, raiky ame havagny mpagnavotry antsika."21Hoy i Rota Moabita hoe: "Hoy izy taminaha hoe: "Tokony hifagnakaiky ame lehilahy hatragny anao mandram-pavitan'indreo gne filagny gne vokatro rehetra. 22"Hoy Naomy tamy Rota vinantovaviny hoe: "Tsara izany, ry zanako vavy, gne handehananao miaraky amireo mpiasa vavy, mba tsy hisy avoa anao ame tany hafa."23Koa da nidiboky akaiky ireo mpiasa vavin'i Boaza izy mba hitsipogny ambara-pahatapitry gne filagny vary hordea sy gne filagny varim-baza. Niara-nipetraky tame rafozam-baviny izy.
1Ary Naomy, rafozam-baviny, nizaka taminy hoe: "Ry zanako vavy, tsy tokony hitady toeragny mba hitsaharanao ve iaho, mba hahatsara anao? 2Ary Boaza, gne lehila izay nerahanao ry mpiasa viavy mpanompo, tsy havatsika ve izy? Ity, hagnofa vary hordea ao izy rariva.3Noho izany, sasao gne tegnanao, da osoro menaky avakoa, tafio gne lamba tsara, da midigna am-pamoloagny. Fa kanigny fantatr'olo anao mandra-pahavitany mihinagny sy misotro. 4Fa raha atory izy da fantara gne tragno atorihany mba hafahanao nadea agny avy eo, alay gne lamba tombony, da matoria eo. Da zakainy anao gne haniny." 5Hoy Rota tamin'i Naomy: "Hagnano gne raha nizakainao iaho."6Ka da nidigny tany am-pamoloana izy, ary nagnaraky gne toro-mariky nomen'gne rafozam-baviny.7 Raha nihinagny sy nisotro i Boaza da faly gne fony, da nandeha natory teo farany gne antontam-bary izy. Avy eo da avy tsimoramora izy, nangalaky gne lamba tame tombokiny, ary da natory.8Izao gne nitranga raha taitry gne lehila tame ariva. Nitodiky izy, ary nahita viavy natory ame tombokiny! 9Hoy izy: "Ia anao? Da namaly izy hoe: "Iaho i Rota, mpiasa viavinao. Atapazo ame mpiasa vavinao gne lambanao, fa havagny akaiky anao."10Hoy i Boaza: "Ry zanako vavy, hotahin'i Yaveh anao. Efa nagnaboky toetra tsara tafara noho gne volohany anao, satria tsy nangaraky gne zatovo lahy anao, na mahatra na managny harena. 11Amizao, ry zanako vavy, ka matahotry! Haniko ho anao gne rehetra izay zakainao, satria gne tanagny gne vahoakako da mafantatry fa viavy mendriky anao.12Marigny fa havagny iaho, nefa misy havagny akaiky noho iaho. 13Mijanogna eto ariva, ary gne mandraigny, raha hagnatateraky gne adidy maha-havagny akaiky ho anao izy, tsara izany, apetray izy hagnano gne adidiny maha-havagny akaiky. Fa raha tsy hagnano gne adidiny maha-havagny akaiky ho anao izy, da ho aniko, noho gne fahaveloman'i Yaveh. Matoria mandram-paraigny."14Da natory teo ame tombokiny mandram-paraigny izy. Fa nifiha izy raha mbola mizigny gne andro. Fa i Boaza nizaka hoe: "Anio tsy fantatry hoe avy teo am-pamoloana raviavy." 15Da hoy i Boaza: "Ento gne lamba fisikinao ary hazogny izany." Raha nagnano an'izany izy, da nandrefy vary hordea inenina gne famaragny tamizay izy da nametraky gne hetany teo aminy. Da nandeha an-tanagny izy.16Rehefa avy tagny ame rafozam-baviny i Rota, da hoy izy: "Akory gne naninao, ry zanako vavy?" Da nizaka taminy gne rehetra nambohariny ralehila taminy i Rota. 17Hoy izy: "Itoa vary hordea henina daba itoa gne nomeny anaha, fa hoy izy: "Ka mandeha fotsiny amin'izao mankany ame rafozanao.'' 18Da hoy i Naomy: "Mijanogna etoa, ry zanako vavy, mandrampafantaranao gne fiovany gne zavatry, fa tsy hidoboky ralehilahy mandra-pahavitany izany zavatry izany anio."
1Ary nagnaniky teo ame vavahady i Boaza ary nijanogny tegny. Indro, avy gne havagny akaiky izay efa nozakain'i Boaza. Hoy i Boaza taminy hoe: "Ry namako, magnatogna ary mipetra etoa." Nagnatogny ilay lehilahy ary nipetraky. 2Avy eo da nangalaky lehila folo tamireo hanitry teo antanagny i Boaza ary nizaka hoe: "Midoboha etoa." Da nagnaraky indreo.3Hoy i Boaza tamin'ilay havany akaiky hoe: "Naomy, izay nipody avy agny aminy tananan'i Moaba, da nivarotry tany izay an'i Elimeleka ralahitsika. 4Niheritreritra gne hampahafantatry anao sy hizaka aminao iaho hoe: "Vidio eo akatrefan'ireo mipetraky etoa izany, ary eo ankatrefan'ireo olombe vahoaka. Fa raha magniry gne hagnavotry izany anao, havoto izany. Fa raha tsy tianao gne hagnavotry izany, da zakay iaho, mba hafantarako, satria tsy misy hagnavotry anio ankoatry anao, ary iaho manohagny anao:" Ary hoy ilay lehilahy raiky hafa hoe: "Ho avotako io."5Ary hoy i Boaza hoe: "Ame andro izay hivanganao io tany an-tanan'i Naomy io, da tsy maintsy maka an'i Rota Moabita, vadin'ilay lehila maty ame lovany avakoa abao.'' 6Ary hoy ilay havagny akeky hoe: "Tsy afaky gne hagnavotry izany ho ane aiko aho raha manimba gne lovako. Alay ho anao gne zon'gne fagnavotako, satria tsy afaky gne hagnavotry izany iaho."7Ary izany gne fomba taloha tao Israely makasiky gne fagnavotagny sy gne takalo gne entagny. Mba hagnamafisagny gne zava-drehetra, gne lehile raiky da mangalaky gne kirarony ary nagnome an'izany ho ane mpiara-belogny aminy, izay gne fomba fagnamboharagny fifanekeny magnara-dalagny tao Israely. 8Ka hoy gne havagny akaiky tamin'i Boaza hoe: "Vidio ho ane tegnanao izany,'' ary nalainy gne kapany.9Ary hoy i Boaza tamireo olom-besy gne olo rehetra hoe: "Vavolombelogny anareo androany fa efa novidiko aby izay rehetra an'i Elimeleka sy izay rehetra an'i Kiliona ary Malona tegny an-tagnan'i Naomy. 10Raha ge momba an'i Rota ilay Moabita, vadin'i Malona: Efa nalaiko ho vadiko koa izy, mba hahafako manandratry gne agnaran'ilay lehila maty mba ho lovany, ka tsy hiala eo amin'ireo rahalahiny sy eo ame vavahadin'gne fipetrany gne agnarany. Vavolombelogny anareo androany.''11Hoy gne olo rehetra izay teo ame vavahady sy gne olombe hoe: "Vavolombelogny izay ka. I Yaveh ane hagnano ilay viavy avy ao andragnonao hitovy amin'i Rahely sy Lea, izy roa izany nanangagny gne tragnon'Israely; ary enga ane ianao hahomby ao Efrata ary halaza ao Betlehema. 12Enga ane gne tragnonao mba hitovy ame tragnon'i Fareza, izay naterak'i Tamara tamin'i Joda, ame alalan'gne taranaky homen'i Yaveh anao miaraky amin'io viavy io."13Ka noraisin'i Boaza i Rota, ary da lasa vadiny. Niaraky natory taminy izy, ary i Yaveh da nagnome azy ho bevoky, ary niteraky zazalahy. 14Hoy ilay viavy tamin'i Naomy hoe: "Hisaoragny ane i Yaveh, izay tsy nametraky anao tsy hanagny havagny akaiky, da ity zaza ty. Halaza ao Israely ane gne agnarany. 15Enga ane izy gne hamerigny gne fiainanao ame loniny ary hikarakara anao raha avy gne fahanteragny, fa gne vinatinao, da tia anao, izay tsara aminao mihoatry noho gne zanaky fito lahy, no niteraky azy."16Noraisin'iNaomy gne zaza, da nampatoriny teo an-tratrany, ary nokarakarainy.17 Nomeny gne viavy mpiara-belogny agnara ihy hoe:" Ilay zaza lahy nateraky ho an' i Naomy." Nantsovandreo hoe: Obeda. Izay niteraky an'i Jese, izay niteraky an'i Davida.18Ary ireo taranak'i Fareza: "i Fareza dia niteraky an'i Hezrona, 19i Hezrona niteraka an'i Rama, i Rama niteraky an'i Aminadaba, 20i Aminadaba niteraka an'i Nasona, i Nasona niteraka an'i Salmona, 21i Salmona niteraka an'i Boaza, i Boaza niteraka an'i Obeda, 22i Obeda niteraka an'i Jese, ary i Jese niteraka an'i Davida.
1Nivavaky i Hana ka nagnano hoe: "Gne foko da ravoravo ao am'i Yaveh. Gne tandrokiko misandratra am'i Yaveh. Gne molotriko mirehareha magnoloa gne fahavaloko aby, satria miravoravo ame famonjenao iah.2Tsy misy masy mitovy am'i Yaveh, fa tsy misy heky hafa mahasolo Enao; tsy misy vatolampy mitovy amign’Andriamanitritsika.3Ka mirehareha lotry esana; tandremo tsy ho rohoninao gne fiavognavogna. Fa i Yaveh gn’Andriamanitry gne fahalala; ame gn’alalany gne hamatovatoa gn’asa. 4Gne didine fanalelah da tapaky, fa gne vafitaky kosa dia mahazo hery mitovy ame fehekibo.5Gne voky aby da lasa nikarama mofo; gne mosare da najary nanakoany. Ndre gne momba da miteraky fito aby, fa gne viavy managnanaky maro kosa da mivalaketraky.6I Yaveh gne mahafaty sy minday ho ame fiaina. Izy gne mampidy ho agny ame fiana-tsy hita ary mananga. 7I Yaveh gne mampahantra gn’olo sasany ary mampanan-karia gn’hafa. Mampietry Izy, nefa da mampisandratry evakoa.8Mampahery e mahantra ba hiala ame vovoky Izy. Mampisandratry gne ory ba hiala ame lakevo, ba hagnapetraky endreo miray midoboky ame gn’ andriandah, ka handova gne sezam-boninahatry. Gn’andriane tany aby da an'i Yaveh ary tamindreo gne nagnapetrahany en'izao tontolo zao.9Ho embenany gne tomboky gn’olony azo itokisa, fa gne ratsy fanah kosa da hampangigny agny ame gn’aizim-pito, satria tsy misy handresy ame gn’hery.10Gne manohotry en'i Yaveh da ho potipotiky; Hampivaratry gnandro hamaly endreo Izy. I Yaveh gne hitsara gne farane tany aby; hagnome hery gne mpanjakany Izy ary hampiakatry gne tandrok'igne voahosotriny."11Avy teo I Elkana da nandeha tagny Rama, tandragnony. Nanompo gn'Andriamanitry teo ame fagnatrehan'i Ely mpisoro gne zaza.12Ary da lelah ratsy fanah dato gn’anaky lahin'i Ely. Tsy nahafatatry en'i Yaveh indreo. 13Gne mahazatry gne mpisoro miaraky ame vahoaky aby, nisy lelah nagnome sorogny, dia magnato gne mpanompone mpisoro ka minday fitrebika telo rantsana egny antanany, laha ambola mandevy gne’hena. 14Hatsindrony ao anatine lasitry iza, na fandrahoan-kena, na volagny, na volanibe. Izay azone fitrebika ao aby da alaine mpisoro ho anazy. Namboarindreo tao Silo nindray tamin’gne Israelita aby izay ninday tao iza.15Ratsy lavitribe enza, taloane nagnoroandreo gne sabora da avy lahatagny gne mpanompone mpisoro, ary nizaka tame lelah nagnano gne sorogny hoe: "Omeo hena ho atsatsika gne mpisoro, fa tsy hagneky gne hena nohandroy avy lahataminao izy, fa gne manta avao."16Laha mizaka aminazy iza lelah za da hoy izy se: "Tsy mentsy horoandreo heky gne sabora, ary avy eo da afaky mangala maro arak’izay tianao enao." Da novaliany hoe: "Avandesa, fa omenao amizao damizao evao; fa laha tsy iza, da ho alaiko an-keriny iza." 17Da zakabe dato gne helok'iza zatovo lah zaagnoloa en'i Yaveh, satria nanindreo tsinontsino gne fagnatitry an'i Yaveh.18Fa i Samoela da nanompo en'i Yaveh raha ambola zaza niakanjo efoda rongony fotsy. 19Nagnamboaran’iendriny akanjo lava kidy izy ka nindesiny ho anazy isan-tao isan-tao iza, laha niakatry nindray tame vadiny ba hagnome gne fagnatitry mahazatry isan-tao izy.20Ary i Ely namafy rano en'i Elkana sy gne vadiny ka nizaka hoe: "Hagnome zaza maro enao am'ity viavy ity anie gn’Andriamanitry nohone fangataha izay namboariny tam'i Yaveh." Avy eo da nipody tandragnony indreo. 21Nagnampy en'i Hana koa i Yaveh, ka bevoky koa izy. Niteraky telo lahy sy roy vavy izy. Nandritry en’iza fotoa iza, da nitombo teo agnatrehan'i Yaveh i Samoela gne zaza.22Ary efa ranga tokoa I Ely; reny aby gne raha namboarine zanany lelah tame gn’Israely manontolo, sy gne natoriandreo niaraky tame viavy izay nanompo eo ame fidira ame toera fihaona. 23Hoy izy tamindreo se: "Fa magnino enareo gne magnano raha akoiza? Efa reko tame gnolo aby evokoa gne raha ratsy namboarinareo. 24"Avandesa, Eh! zanako; tsy tatitry tsara gne reko. Mahavy gne vahokin' i Yaveh tsa hagneky enareo.25"Laha misy olo raiky manota ame raiky, da hotsaraine gn’Andriamanitry izy; fa laha misy lelah raiky manota am'i Yaveh, ia gne hisolo vava anazy?" Fa tsy hiteno gne feone rainy indreo, satria Yaveh efa nikasa gne hahafaty endreo. 26Niha-olombe i Samoela zaza kidikidy, ary lasa nitombo gne fitiavany en’i Yaveh sy gn’olo evakoa.27Ary nisy lelahin'Andriamanitry raiky nagnato en'i Ely ka nagnano taminazy se: "Akoizao gne norohonin'i Yaveh, 'Tsy efa nagnambara gnaiko taminao tamignalalane razambenao me iah, laha ambola tagny Egypta tame fagnandevoza gnankohonan'i Farao indreo? 28Nosafidiko tagnatine fokon'Israely izy ba ho mpisoroko, ba hiakatry eny ame gnalitarako, ary ba hagnoro gne ditin-kazo magnitry, ba hisiky gn’efoda agnatrehako. Nomeko ho ane taranaky gne razambenao aby gne fagnatitry namboarine vahokin'ny Israely tame gn’afo.29Nagnino me enao maniratsira gne soro sy gne fagnatitriko izay notakiko ho eo ame toera misy ena? Nagnino gnagnomezanao voninahitry amboniko ame fagnambonia gnainareo avy ame fagnatitrin’ny Israely vahokiko gne zanakao?' 30Fa Yaveh, Andriamanitr'Israely, da mizaka se: 'Nampagnantena Aho fa gne taranakao, sy gn’ankohonane razambenao, da handeha eo agnatrehako mandrakizay.' Nefa amizao fotoa zao da hoy Yaveh se: 'fadenah gnagnano eniza, gne magnome voninahitry Ena gne homeko voninahitry, ary gne magnano tsinontsino Ena gne ho tsinontsinoaviko.31Eka, ho avy gnandro hanapahako gne herinao sy gne herine gnankohonane razambenao, ka tsy hisy lelah ho lava velo ame taranakao.32Hahita fahoria egny ame toera hipetrahako enao. Ndre da ome soa aza gn’Israely, da tsy hisy lelah ho lava velo koa ame taranakao. 33Gne sasany aminareo izay tsy ho alako ame gn’alitarako, da ho amboariko pahina gne masonareo, ary ahavy gn’alahelo ame fiainanareo iah. Kila lelah niboda avy tame fianakavianareo da ho faty.34Ity gne famatara ho anao izay hanjo gne zanakao roy lah, am'i Hofinia sy Finehasa: Andro raiky gne hahafaty enazy mirahalah. 35Hananga mpisoro azo itokisako ba agnatotosa gnagnatine foko sy gname fagnahako Iaho. Hagnorigny tragno azo antoky ho anazy iah; ary handeha eo agnoloane mpanjaka izay voahosotro mandrakizay izy.36Gne sisa tavela ame taranakao da hoavy aby ary handohaloky eo aminazy, hangataky sombim-bolafotsy sy mofo, ary hizaka hoe: "Mba tendreo ho isane mpisoronao saro iah ba hahafahako mihina gne sombi-mofo raiky.""'
1Nanompo en'i Yaveh tame fagnatrehan'i Ely i Samoela zazakidikidy. Kidy gne rohon’i Yaveh tamiza andro za; tsy nisy lotry gne fahita tame gnalalane faminania tamiza. 2Tamiza fotoa iza, i Ely, izay efa nanomboka pahina gne masony ka tsy mahita tsara, da natory tame fandria. 3Ambola tsy maty gne fanilon'Andriamanitra, ary nandry ba hatory tao ame tempolin'i Yaveh i Samoela, tagnatin'iza da nisy gne tobilon'Andriamanitry. 4Yaveh nangaiky en'i Samoela, da hoy izy se: "Itoa iah."5Nigodogogoky nandeha tam'i Ely i Samoela nizaka hoe: "Itoa iah, satria nangaiky ena anao." Da hoy i Ely se: "Tsy nangaiky enao iah, fa mipodia matory." Da nandeha i Samoela ary da natory. 6Nangaiky koa i Yaveh hoe: "Eh Samoela." Da nifoa koa i Samoela ary nandeha tam'i Ely, nagnano hoe: "Itoa iah, satria nangaiky ena anao." Da namaly i Ely hoe: "Tsy nangaiky enao iah, ro zanako, mipodia matory."7Ndre i Samoela da ambola tsy nahafantatry tsara en'i Yaveh, na nisy hafatry avy tam'i Yaveh ambola nambara taminazy.8Nangaiky en'i Samoela fagnintelony koa i Yaveh. Nitrotry koa i Samoela ary nandeha tam'i Ely sy nizaka hoe: "Itoa iah, satria nangaiky ena anao." Da fantatr'i Ely fa i Yaveh gne nangaiky eniza zazalelah kidikidy za.9Da hoy i Ely tam'i Samoela se: "Alao mivery matory; laha ambola mangaiky enao indraiky Izy, da mirohona sinitry enao hoe: "Mikoragna, ro Yaveh, fa miteno enao gne mpanomponao."' Da nandeha i Samoela ary da natory tame fatoriany indraiky.10Avy i Yaveh ary da nitsanga; nangaika akoigne tame fotoa sasany hoe: "Samoela, Samoela." Da hoy i Samoela se: "Mikoragna, ro Yaveh, fa miteno enao mpanomponao."11Da hoy i Yaveh tam'i Samoela se: "Iteo fa hagnano raha amin'Israely Iah ka gne sofine vahoky da hahare.12Amin'iza andro za da hamorogny gne raha norohoniko tamin'i Ely mikasiky gne fianakaviany, hatrame valohany ka hatrame farany Iah. 13Nizaka taminazy Iah fa hitsara gne fianakaviany indraiky fotsiny mikasiky gne fahota fatatrindreo, satria gne zanany da voaozo tame tegnandreo ary tsy nibaha andreo izy. 14Noho iza da nisoma ratsy tame fianakavian'I Ely Iah fa gne fahotane fianakavia da tsy ho voahonitry ame soro na fagnatitry za."15Natory mandra-maray i Samoela; da nanokatry gne varangarane tragnon'i Yaveh izy. Fa natahatry gne hizaka tam'i Ely mikasiky gne fahitana i Samoela. 16Avy teo da nangaiky en'i Samoela i Ely ka nagnano taminazy hoe: "Eh Samoela, zanako." Da hoy i Samoela se: "Itoa iah."17Hoy izy se: "Ino gne zaka norohoniny taminao? Kafiny ro iza. Hagnano eniza aminao anie gn’Andriamanitry, ary da ambonin’iza kida, laha magnafiny raha amina ame zaka aby norohoniny taminao enao." 18Da norohonin’i Samoela taminazy gne raha aby; tsy nisy nafininy taminazy aby. Da hoy i Ely se: "Izy gne Yaveh. Apetray Izy hagnano enizay mety hoe tsara Aminazy."19Niha-olombe i Samoela, ary i Yaveh da niray taminazy, ary tsy napetrany hisy tame feo faminaniany gne tsy ho tateraky. 20Gne Israely aby evao Dana ka hatrany Berisheba da nahafantatry fa i Samoela da vatendry ho mpaminanin'i Yaveh. 21Niboda tao Silo indraiky i Yaveh, satria nagnambara gne tegnany tame zakany tam'i Samoela tao Silo Izy.
1Lefa ranga i Samoela, da namboariny ho mpitsara teo amin'gn’Israely gne zanany lelah. 2Joela gnagnarane zanany valoany, ary i Abia gnagnarane zanany lelah faharoy. Mpitsara te Beri-sheba indreo. 3Tsy nagnoriky gne lalanombany gne zanany lelah, fa nitadia fiharia tsy marigny. Nandray paidamosy indreo ary namadiky gne rariny.4Da nindray nivory gne loholone gn’Israely aby ary avy tam'i Samoela te Rama. 5Hoy indreo taminazy se: "Eka, da ranga enao, ary tsy magnoriky gne dianao gne zanakao. Manindrea mpanjaka ho anay ba hitsara anay akoigne firene agy ro."6Nefa da tsy lanine vavonin’i Samoela iza laha nizaka indreo hoe: "Omeo mpanjaka izahay ba hitsara anay." Ka nivavaka tam’i Yaveh i Samoela. 7Hoy Yaveh tam’i Samoela se: "ekeo gnetahetane vahoky ame raha rohonindreo aminao aby; fa ts’enao gne tsy notenomindreo roho, fa iah gne tsy notenomindreo roho tsy ho mpanjakandreo.8Amizao fotoa zao indreo da magnano akoigne namboariny hatrame gn’andro nindesako endreo nijotso lahatagny Egypta, nahafoy ena, ary nanompo gn’andriamanitry hafa, ary da akoiza evakoa gnamboarindreo aminao. 9Amizao fotoa zao de tenomo tsara indreo; nefa da ampitandremo mafy ka ampahafantaro gne fomba hanapahan'igne mpanjaka eo amin'indreo."10Da ambola notadidizin'i Samoela tame vahoky nangataky mpanjaka evakoa gne zakan’i Yaveh tsy nisy latsaky. 11Hoy izy se: "akoizao gne ho fombafombane mpanjaka hanjaka eo aminareo. Hanaga gne korao lah izy ka hanendry endreo ho an'igne kalesiny sy ho lasa mpipitiky gne soavaliny, ary da hiazakazaky agnolohane kalesiny. 12Hanendry kapizakane miaramila an'arivony, ary kapizakane miaramila dimampolo ho anazy izy. Hampesainy gne taniny gne sasany, mijinja gne vokatriny gne sasany, ary hagnano gne fitaovam-pediany sy gne fitaova ho an'igne kalesiny gne sasany.13Gne zazaviavy nareo koa da hany mpangaroharo zava-magnitry, mpahandro, ary mpagnano mofo. 14Ho alainy e tena tsara ame taninareo, ame tanim-boalobokareo, ary ame tanin'olivanareo, ka homeny gne mpanompo enazy. 15Ho alainy gn’ampahafolone varinareo sy gne niakatry avy ame tanim-boalobokareo ka homeny gne manam-pahefa sy gne mpanompo enazy.16Ho alainy aby gne mpanompo enareo na lelah na viavy ary e tena tsara ame zatovolahinareo sy gne borikinareo; hampesainy aminazy izy aby. 17Ho alainy gn’ampahafolone gn’ondry aman'osinareo, ka ho lasa andevony enareo. 18Am'iza andro iza da hitoreo nohone mpanjakanareo izay nofidinareo ho ane tegnanareo enareo; kanefa da tsy hiteno enareo i Yaveh am'iza andro iza."19Kanefa nandà gne hiteno en'i Samoela gne vahoky; hoy indreo se: ''Tsia! Tokony hisy mpanjaka aminay etoa 20ba hitovisanay ame tanin’olo sasany ambadiky agny, ary ba hitsarane mpanjakanay enay sy hibodagnany agnoloanay ka hiady gne raha manahira anay."21Lefa ren'i Samoela gne zakane vahoky aby da napodiny tame sofin'i Yaveh iza. 22Hoy i Yaveh tam’i Samoela se: "Ekeo agny ro gnetahetandreo ary anio gnampisy mpanjaka raiky amindreo." Da hoy Samoela tame vahokin'Israely se: "Tsy mentsy mipody ame tana nevisany aby gne vatandelah tsikiraikiraiky."
1Da nangala gne tavoara misy gne diloilo i Samoela, nandraraky en’iza tambonine lohan'i Saoly, ary nagnorok’enazy. Hoy izy se: "Izy me ko Yaveh tsy efa nagnosotry enao ho mpanapaky gne lovany? 2Lefa hiala enah anao androany, da hahita olo roy lah akekigne koborin-dRahely, ao am'igne faritanin'i Benjamina ao Zelza. Hizaka aminao indreo hoe: 'gne boriky notadiavinao da efa hita. Amizao gne razambenao da nijano tsy niahiahy gname boriky ary da magnahy gne mikasiky enao, mizaka hoe: "Ino gne tokony hamboariko mikasiky gne zanako lelah?"'3Da handeha lavidavitra kokoa avy agny enao, ary ho avy eo amin'gne hazo terebintan'i Tabara. Hifakahazo am'igne lelah telo mandeha ho agny amin'Andriamanitry agne Betela enao, gne raiky mitondra zanak'osy telo, gne hafa mitondra mofo telo, ary gne hafa mitondra sinin-divay hoditry. 4Hagnotsafy enao indreo ary hagnome mofo roy enao, halainao avy lata tagnandreo.5Avy eo, da hipody ho egny ame gn’havoan'Andriamanitry enao, ame misy gne miaramilan'gne Filistina. Lefa avy amin'iza tanà za enao, da hifanepaky amin'gne andana mpaminagny hidigny la tame toera ambony miaraky am'igne lokanga, amponga tapaky, asody, ary valiha eo agnalohandreo; haminagny indreo. 6Gne Fagnahin'i Yaveh hilatsaky eo aminao, ary haminagny mindray amindreo enao, ka hiova endrik’olon-kafa.7Ary lefa avy aminao gne famantara, da amboaro gne hitanao fa mety, satria Andriamanitry momba anao. 8Midìgna eo mialoha anah ho agny Gilgala. Da hidigny aminao agny iao hagnome fagnatitry oroa ary hagnano soro fanati-pihavana. Mandignasa fito andro mandra-pandihanako aminao agny ary hampibodagnako gne raha tokony hoamboarinao aminao."9Lefa nitodi-doha hiala an'i Samoela i Saoly, da nomen'Andriamanitry enazy abara gne fo vaovao. Da avy aby gne famantara tam’iza andro iza. 10Lefa avy tambony tegny indreo, da nisy andana mpaminany nifakahazo taminazy, ary gne Fagnahin'Andriamanitry nidy taminazy ka naminagny nindray tamindreo.11Lefa nahita enazy nindray tame mpaminany gn’olo aby nahafatatry enazy taloha, da nifampizaka gn’olo hoe: "Ino gne nahazo gn’anaky lahin'i Kisy sa? Agnisane mpaminany koa sa oah i Saoly? 12Nisy lelah nidoboky tam'io toera io namaly hoe: "Ba ia iabandreo sa?" Noho iza, da lasa zaka gne hoe: "Agnisane mpaminany evakoa ve i Saoly?" 13Lefa nahavita gne faminania izy da nandeha tamigne fidoboa ambony.14Da hoy gne rahalahandrain'i Saoly taminazy sy gne mpanompo enazy se: "Taia gne nombanareo sa ?" Da namaly izy hoe: "Nitadia gne boriky. Lefa valaky iahay nitadia anazy, da nandeha tam’i Samoela tagny." 15Hoy gne rahalahandrain'i Saoly se: "Ba rohono amina sa nda gne nozakain’i Samoela taminareo." 16Da namaly gne lahalahin-drain’i Saoly hoe: "nizaka taminay mazava tsara izy fa efa hita gne boriky." Fa tsy nizaka taminazy gne mikasiky gne resaky fanjaka, izay efa norohonin’i Samoela izy.17Da nangian'i Samoela hindray tagnoloan'i Yaveh te Mizpa gne vahoky. 18Hoy izy tame gn’olon'Israely se: "Izao gne raha norohonin’i Yaveh, Andriamanitry gne Israely: 'Namoky gne Israely hiala lahatagny Egypta iah ary nagnavotry anareo tame tanane Egyptiana, ary tame tanane fanjaka aby izay nampahory enareo.' 19Fa amizao fotoa ikoragantsika zao da nandà gn’Andriamanitrindreo, gne nagnavotry endreo tame loza sy gne fahoria maro isakarazany; ary nizaka taminazy enareo hoe: 'Magnapetra mpanjaka aminay.' Amizao fotoa izao da ome agnatrahan’i Yaveh araky gne foko sy gne vondro misy enareo gne tegnanareo."20Da nagnakeky en'i Samoela gne fokon'Israely aby, ary gne fokon'i Benjamina gne vafidy. 21Avy teo da nindesiny nagnakeky gne vondrondreo koa gne fokon'i Benjamina; ary gne fokone Matrita gne vafidy, ary i Saoly koraolahin'i Kisy da vafidy. Fa lefa niroso nitadia anazy indreo, da tsy nety hita izy.22Ary gn’olo da ta agnamafy fagnontania misimisy tame gn’Andriamanitry hoe: "Izy io me ko ambola misy lelah hafa ho avy ?" i Yaveh da namaly hoe: "Nagnafiny gn’ainy amin’io enta io izy." 23Da nihazakazaky abara indreo ary nangala an'i Saoly avy tagnatiny tao. Lefa nitsanga tam'io olo izy, da lava mihotry gn’olo aby, mihotry gne sorokindreo aby gnalavany.24Da hoy i Samoela tame gn’olo se: "izy mesa k’efa hitanareo gne lelah efa vafidin'i Yaveh? Tsy misy olo mitovy aminazy tame vahoky aby!" Gn’olo aby da nireoreo hoe: "Ho ela velo gne mpanjaka!"25Da nizaka tame vahoky gne fomba sy gne fitsipiky gne fanjaka i Samoela, nanoratry indreo tagnaty boky, ary nagnapetraky en’iza tagnatrehan'i Yaveh. Avy teo da nalefan'i Samoela tandragnony aby gne vahoky tsikiraikiraiky.26Nody tandragnony tao Gibea evakoa i Saoly, ary nindray tame fanalelah sasany, izay nokasihine gn'Andriamanitry gne fony. 27Fa gne sasany tame gnolo tsy misy dikany da magnano hoe: "Ame fomba akoingaia gn’hahafahan'io lelah io magnavotrenay?" Nagnoliholy en'i Saoly aby gn’olo ary tsy ba ninday fagnomeza ho anazy. Fa da nisy evao i Saoly. [ Fagnamariha: gne sasany ame dikan-teny tafara da magnampy gnandala magnaraky izao ame gn’andininy ty hoe: "Nahasy mpanjakan’gne Amonita da nampahory mafy gne Gadita sy gne Reobenita. Novoariny gne maso ankavanane gn’olo tsikiraikiraiky ary tsy nagnapetraky en'iza na iza hagnavotry en'Israely izy. Nagnera gne reniranon'i Jordana da tsy nisy Israelita tavela aby ka tsy novoarin'i Nahasy mpanjakan'gne Amonita gne masony ankavana. Fa olo fito arivo gne nilefa gn’Amonita ary lasa tagny Jabesy Gileada.'']
1Avy teo i Nahasy Amonita da nandeha ary nipetraky tagny Jabesi-Gileada. Hoy gn’olon'i Jabesy aby tam’i Nahasy se: "Magnanova fagneke miray aminay, da hanompo enareo iahay." 2Da namaly i Nahasy Amonita hoe: "Am'izao fepetry zao gn’hagnamboarako fifagneke aminareo, da gne hipotsirako gne maso ankavananareo aby, ary iza gne fomba hitondrana fahafaham-baraka eo ame gn’Israely aby.''3Ary gne loholon'i Jabesy da namaly enazy hoe: "Apetray mangingy mandritry gne fito andro iahay, ba hahafahanay mandefa iraky megname fari-tanin'Israely aby. Ary, ndre da tsy misy ndre raiky gne hamonjy enay, da hitolo-bata aminareo iahay."4Da avy te Gibea, tame nipetrahan'i Saoly gniraky, ary nizaka gne zava-niboda tame vahoky. Da notagny dato gne vahoky aby taminio. 5Ary nagnaraky gn’aomby avy latatonda i Saoly. Hoy i Saoly se: "Ino lotry saro gne raha mahazo gne vahoky mahavy endreo tomagny ty?" Da nokoragnindreo tam’i Saoly gne nokoragnie 'gne koraolah n'i Jabesy.6Lefa ren'i Saoly izay nozakaindreo, da nilatsaky tame gne Fagnan'Andriamanitry, ka vignitry be izy. 7Nangala ziogan'aomby raiky izy, ka notatapahany, ary nalefany nagnera gn’Israely aby nindray tame gn’iraka za. Hoy izy se: "Gne tsy tapakevitry hagnaraky en'i Saoly sy Samoela, da akoiza gne hagnamboara gn’aombiny." Ary nilatsaky tame vahoky gne horohoron'i Yaveh, ary da niray nijotso dakoign’olo raiky tamindreo. 8Lefa namory endreo tagny Bezeka izy, da ampy telo hetsy gne vahokine gn'Israely tamiza, ary gn’olon'igne Joda da telo aly evakoa.9Hoy indreo tame gn’iraky avy teo se: "Hizaka ame gn’olon'igne Jabesi-Gileada enareo hoe: 'Laha omaray, ame fotoa mahamay e masoandro igny, da ho vavonjy enareo."' A da nandeha gn’iraky ary nizaka tame gn’olon'i Jabesy, ary faly indreo. 10Da hoy gn’olon'i Jabesy tam’i Nahasy se: "Hitolo-bata aminao iahay laha omaray, da afaky amboarinao aminay izay hitanao fa mety aminao."11Gne omaray n’io da napetrak'i Saoly tagnaty vondro telo gne vahoky. Da nandeha tagnelagnelane toby tamigne fembena marandray indreo, ary nandeha nanafiky indreo ka naharesy gne Amonita mandra-pahamay gn’andro. Gn’ambola velo tamiza da naely, ba tsy hapisy gne roy hindray tavela.12Da hoy gne vahoky tam’i Samoela se: "Ia gne nizaka hoe: 'Hanjaka eto amintsika mesa i Saoly?' indeso iza olo za, ba hahafahantsika mamono endreo." 13Fa hoy i Saoly se: "Tsy tsara koa gne hisy maty ndre raiky am'ity andro ty, satria nagnavotry en'Israely Yaveh tandroany.''14Avy eo da hoy i Samoela tame vahoky se: "Alaska isika, andeha e Gilgala ary hagnavao gne fanjaka agny indraiky." 15Da nandeha tagny Gilgala gne vahoky aby ary nagnano en'i Saoly ho mpanjaka tagnatrehan'i Yaveh tagny Gilgala.Tagny e nagnamboarandreo soro fagnatitry gne fihavana tagnatrehan'i Yaveh, ary i Saoly sy gne lelah n'Israely da feno hafalia dato.
1Andro raiky zay, i Jonatana zanak'i Saoly nizaka tame korao mpitondra gne fiadia hoe: "Alaska, andeha hitsaky ame tobine miaramilan'igne Filistina ery itsika." Nefa tsy nozakainy iabany.2Nidoboky tame magnodidy en'i Gibea ambanine gn’hazon'ampongamben-dagnitry te Migrona i Saoly. Teo ho eo ame gn’eninjato lah gne nindray taminazy, 3agnisan'iza i Ahia, zanak'i Ahitoba (lahalahan'i Ikaboda) zanak'i Finehasa zanak'i Ely, gne mpisoron'i Yaveh tao Silo, gne nisiky efoda. Tsy fantatry gne vahoky hoe lasa i Jonatana.4Tame lafy tsikiraikiraiky amin'igne fitàna nirin'i Jonatana handihana ba hirosoany hoame miaramila ne Filistina, da nisy pelapelam-bato tame andaniny ary pelapelam-bato hafa tame gn’andaniny. Gne pelapelam-bato raiky da nome agnara hoe Bozeza ary gne pelapelam-bato raiky faharoy da nome agnara hoe Sene. 5Gne pelapelam-bato raiky nitsanga tavaratry da takatrefan'i Mikmasy, ary gne raiky faharoy da tatsimo takatrefan'i Geba.6Hoy Jonatana tame korao mpitondra gne fiadia se: "aska, andeha itsika hitsaky ame miaramilane nama tsy vafora io. Ba mety i Yaveh gne hiasa ho antsika, fa tsy misy na ino na ino manaka en'i Yaveh gname famonje ame maro na ame gn’olo kidy." 7Da namaly gne mpinday gne fedia hoe: "Amboaro e raha andragno aby. Mandroso, e, miray aminao iah, ba hagneky gne bekonao aby."8Da hoy i Jonatana se: "alaska handeha hitsaky ame lelah ery itsika, ary hiboda amindreo. 9laha miroho amintsika indreo hoe: "Mandignasa egny mandra-pihevisanay egny aminareo'—da hitsanga teo ame fidoboantsika itsika ka tsy hitsaky egny amindreo . 10Kanefa laha mamaly indreo hoe: 'Magnatogna aty aminay', da hitsaky itsika; satria efa nomen'i Yaveh ho eo an-tagnantsika indreo. Iza gne ho mariky ho antsika."11Da samby niboky tame toby miaramilane Filistina indreo. Hoy gne Filistina: "Igny, mijotso avy tame lavaky nagnafiniandreo gne tegnany gne Hebreo." 12Da nangaiky en'i Jonatana sy gne mpinday gne fediane lelah ne miaramila, ka nagnano hoe: ''Mekàra aty aminay, da hagnaboanay raha enareo." Hoy i Jonatana tame mpinday gne fedia se: "Magnara afarako gnao, satria efa nomen'i Yaveh ta tagnane gn’Israely indreo."13Nagnaniky tame tagnany sy tame tombokiny i Jonatana, ary nagnaraky tafarany gne mpinday gne fedia. Novonoy takatrefan 'i Jonatana gne Filistina, ary gne mpinday gne fedia namono gne sasany tafara.14Iza fandroba valohany iza namboarin'i Jonatana sy gne mpinday gne fedia iza, da nahafaty tokony ho lelah ropolo tame faritry gne atsasa-hektara.15Nisy fikorotagna zakabe tame toby, tagny akoraky, sy tame vahoky. Ndre da gne miaramila na gne mpandroba da natatry aby. Nagitakitaky gne tany, ary nisy tahatry zakabe.16Ary gne mpisafon'i Saoly tagny Gibean'ny Benjamina da nagnety; niparitaky gne vahokine miaramila ne Filistina, ary nivezivezy indreo. 17Da hoy i Saoly tame vahoky nindray taminazy se: "Hisay ary hiteo gne tsy eo amintsika." Rehefa nagnisa indreo, da i Jonatana sy gne mpinday gne fedia gne tsy teo.18Hoy i Saoly tame gn’Ahia se: "Etaty gne tobilin'Andriamanitry," fa tagny ame vahokin'igne Israely iza tamin'iza fotoa iza. 19Laha ambola niroho tame mpisoro i Saoly, da nitohy sy niabe gne resabe tame tobine Filistina. Da hoy i Saoly tame mpisoro se: "Ahemoro e tagnanao."20Nitambatry ary nandeha tame gn'ady i Saoly sy gne vahoky aby nindray taminazy. Gne sabatry gne Filistina tsikiraikiraiky da namango gne mpiray tanà taminazy, ary nisy fifamalia zakabe dato. 21Ary gne Hebreo nindray tame Filistina taloha sy gne nandeha nindray tamindreo tame toby aza da ba nitambatry tam’igne Israelita izay nindray tam’i Saoly sy Jonatana.22lefa rene gn’olon’ign’Israely aby izay nifiny tagny ambony tagny akeken’Efraima fa nilefa gne Filistina, da niagnindreo hatrame gn’ady indreo. 23Eh da tam’iza andro iza da nagnavotry gn’Israely i Yaveh, ary nihotry hatre Betavena gn’ady.24malahelo gn’olone gn’Israely tamiza andro iza satria i Saoly nagnampetraky gne vahoky tambany fitokiasa ary nagnano hoe: "Vaozo gn’olo homan-kany hatrame gn’hariva ary iah da hamaly faty gne fahavaloko." Da tsy nisy olo avy tame gn’antoko ba nitondro hihina. 25Ary niditry tao agn'ala gne vahoky aby ary nisy titely tame tany. 26lefa niditry tagn'ala gne vahoky, da nipatrapatraky gne titely, nefa tsy nisy olo nagnano gne tagnany tame vavany satria natahatry gne voady dato gne vahoky.27Nefa tsy ren'i Jonatana fa nitazo gne vahoky tame voady iabany. Da napekariny gne lohane gn’angira tame tagnany sady nampiditry eniza tame tohone titely. Napekariny tambava gne tagnany, ka nazava gne masony. 28Ary gne raiky tame vahoky, da nagnano hoe: "Novesaran’iabanao tame voady mafy be dato gne vahoky, tame nizakany hoe: 'Vaozo gn’olo human-kany ame gn’andro androany', ndre da malemine, akady ho maty mosary gne vahoky."29Da hoy i Jonatana se: "Nagnakorota gne tany iabako. Hiteo fa da nazary mahita gne masoko satria nagnandra kidikidy tame titely iah. 30Samindraky laha nihina am-pilamina tame vaendaky tame fahavalo hitany tandroany gn’olo? Satria ts’isy dikany tame Filistina gne famonoa amizao fotoa zao."31Tam’iza andro za, da nanafiky gne Filistina, nanomboky te Mikmasy hatr’Aialona indreo. Valaky aby e vahoky. 32Nihazakazaky mafy tame vaendaky gne vahoky nagnala gn’ondry, gn’aomby sy gne zanak'aomby, ary namono eniza tame tany. Nihina eniza niaraky tame rà gne vahoky.33Da hoy indreo tam’i Saoly se: "Igny, da nanota tam’Yaveh tame fihinana rà nanine vahoky." Da hoy i Saoly se: "Nagnano tsy famatora enareo. Amizao fotoa zao, da mamaringarigna vato zakabe ho anah." 34Hoy i Saoly se: "Miboa ame vahoky, da zakay indreo hoe: 'sambia mindahy gn’aombiny sy gn’ondriny gn’olo tsiraikiraiky, vonoy etoa, da hano. Ka manota am'i Yaveh ame fihinana miaraky ame rà koa."' Gne vahoky da samby ninday gn’aombiny sy gn’ondriny ho vonoy tam’iza hariva za.35Nagnambotry latabatry hoan'i Yaveh i Saoly, latabatry namboariny valohany hoan'i Yaveh.36Da hoy Saoly se: "Alaska andeha hagnia gne Filistina laha hariva ary hagnendak’endreo mandra-mparaindray gn’andro; tsy misy apetrakitsika ho velo ndre da raiky indreo." Namaly indreo hoe: "Amboaro e raha aby izay ho heverinao fa mety." Da hoy gne mpisoro se: "Alasika andeha hagnato gn'Andriamanitry etoa." 37Nagnontany gn'Andriamanitry i Saoly hoe: "rariny me laha hagnenjiky gne Filistina iah?" hagnome endreo an-tagnan'Israely me enao? Kanefa tsy namaly enazy gn’Andriamanitry tamiza andro za.38Da hoy i Saoly se: "Magnatogna aty, enareo mpitariky gne vahoky aby; fantaro sy hiteo gne fomba nahavy enio fahota tandroany io. 39Fa laha ambola velo evao i Yaveh, magnavotry gn’Israely, ndre da am'i Jonatana zanako iza, da ho faty sinitry evakoa izy." Kanefa tsy nisy tame vahoky namaly enazy.40Da hoy izy tame gn’Israely aby se: "Mevota akeky ery,fa iaho sy gne zanako i Jonatana da ho agnilany eroa." Hoy gne vahoky tam'i Saoly se: "Amboaro gne mety aminao." 41Ka da hoy i Saoly tam'i Yaveh, Andriamanitry gn’Israely: "Ambaray gne Tomima."i Jonatana sy i Saoly gne azo tame loka ,da niala tsy vafidy gne vahoky. 42Da hoy i Saoly se: "Magnanova loka aminah sy i Jonatana zanako." Da i Jonatana gne vafidy tame loka.43Da hoy i Saoly tam'i Jonatana se: "Zakay aminah gne namboarinao." Da hoy i Jonatana taminazy se: "Nagnandra kidikidy tame titely tame vodine hazo tantanako iah. Da ho faty iah tiky." 44Hoy Saoly se: "Hagnano eniza gn’Andriamanitry ary da agnano mihotr’enza aminah evaoka izy laha tsy maty enao, nda Jonatana."45Da hoy gne vahoky tam'i Saoly se: "Tokone ho faty me i Jonatana, laha nahatanteraky gne fandrese zakabe tame gn’Israely? sagnatria n’iza! Laha ambola velo i Yaveh, da tsy hisy hisibohany hilatsaky ame tany, fa niara niasa tame gn’Andriamanitry izy tandroany.'' Da nagnavotry en'i Jonatana gne vahoky da tsy nahafaty enazy. 46Da nizano tsy nagnatratry gne Filistina i Saoly, ary da nandeha tame nisy gne Filistina.47Lefa nanomboky nandidy gn’Israely i Saoly, da niady tame fahavalony agnaby. Niady tam'i Moaba, gn’Amonita, gn’Edoma, gne mpanjakan'i Zoba, sy gne Filistina evakoa. Ndre taia ndre taia nitodihany, da nampindesiny sazy evao indreo. 48Niasa tame gn’herim-po zakabe izy ka naharesy endreo gn’Amalekita. Namonjy gn’Israely ho afaky ame tana nagnendaky endreo izy.49Gne zanak'i Saoly lelah da i Jonatana, Jisvy, sy Malkisoa. Gnagnarane zanany viavy roy da i Meraba, gne vakiradrony ary i Mikala, gne farany ame viavy. 50I Ahinoama gnagnarane vadin’i Saoly; zanak'i Ahimaza viavy. Gnagnarane kapitenine tafiky da I Abnera zanak'i Nera, rahalahin’iaban’i Saoly. 51I Kisy iaban'i Saoly; ary i Nera, iaban'i Abnera, gne zanak'i Abiela lelah.52Nisy ady mafy tame Filistina tame gnandron'i Saoly aby. Lefa nahita olo matazaky, ndre olo matazaky fo i Saoly, da nalainy hoanazy.
1Hoy i Samoela tam’i Saoly se: "Yaveh gne nagnirak’ena hagnosotr’enao ho mpanjaka eo am'igne Israely vahokiny. Amizao fotoa zao, da tenomy gne zakan’i Yaveh. 2Akoizao gne zakan’i Yaveh tompone maro: 'Efa tsinjoko gne namboarin'i Amaleka tam’igne vahokin'Israely tame nanoherany endreo tandala, lefa niranga avy t’Egypta indreo. 3Amizao fotoa zao, alao anafiky en’i Amaleka ary da poteho aby gne maha izy endreo. Ka miaro endreo, fa samby vonoy agny aby na viavy na lelah, na gn’ankizy na gne zaza, na gn’aomby na gn’ondry, ary na gne rameva na gne boriky."'4Nampangaiky gne vahoky i Samoela ary nagnisa endreo tame tanànan'i Telaima: lelah nandeha tomboky roy hetsy, ary lelah n'i Joda raialy. 5Avy eo i Saoly da avy ta tanàn'i Amaleka ary nandigny ta tonda.6Da hoy i Saoly tame Kenita se: ''Mela agny ro, mijotsoa latamigne Amalekita, ba tsy handringanako anareo miaraka amin'indreo. Fa nampiseho hatsaram-panahy tamegne Israely rehetra ianareo, fogne tonga avy tagne Egypta indreo.'' Noho iza da niala teo amin'ireo Amalekita ireo Kenita. 7Avy eo da namango gn’Amalekita i Saoly, manomboky e Havilaha katre Sora, agne atsignanan'i Egypta.96a hoy i Saoly tame Kenita se: ''Mela agny ro, mijotsoa latamigne Amalekita, ba tsy handringanako anareo miaraka amin'indreo. Fa nampiseho hatsaram-panahy tamegne Israely rehetra ianareo, fogne tonga avy tagne Egypta indreo.'' Noho iza da niala teo amin'ireo Amalekita ireo Kenita. 7Avy eo da namango gn’Amalekita i Saoly, manomboky e Havilaha katre Sora, agne atsignanan'i Egypta.10Da avy tam’i Samoela abara gne rohon’i Yaveh, nagnano hoe: 11"Nanegnenako gne nagnamboarako an'i Saoly ho mpanjaka, fa niala tame fagnalala Ena izy ary tsy nagnaraky gne didiko." Vignitry i Samoela; nizaka mafy tam’i Yaveh izy tagnatine gnariva raiky.12Nahatsiaro taloha i Samoela ba hifakahita am'i Saoly gne marandray. Nambara tam’i Samoela hoe: ''Avy tagne Karmela i Saoly ary nagnory tsangam-bato ho ane tegnany, ary nivery nandeha nidigny tagny Gilgala." 13Da avy tagny am'i Saoly i Samoela, ary hoy i Saoly taminazy se: "E ro vatahin'iYaveh enao! Tanterakiko gne didin'i Yaveh."14Hoy i Samoela se: "Ino iza fitregnane ondry reko ame sofiko za, sy gne fitregnane gn’aomby iza reko za?" 15Da namaly i Saoly hoe: "Efa nentindreo avy latame Amalekita iza. Fa niaro gn’ondry sy gn’aomby tena tsara gn’olo, ba hagnamboara soro ho an'i Yaveh Andriamanitry. Efa naripakay aby gne sisa tavela." 16Da hoy i Samoela tam’i Saoly se: "Dignaso, da ho rohoniko aminao gne nambaran'i Yaveh tamina lahaly." Da hoy i Saoly taminazy se: "Mizaka!"17Hoy i Samoela se: "Ndre da kidy gne fagnitenao enao, nefa tsy nany mpitariky gne fokon'Israely evao enao? Ary i Yaveh nagnosotry enao ho mpanjaka eo ame gn'Israely, 18ary i Yaveh nagniraky enao tame nombanao nagnano hoe: 'Mandihana ary halavoy aby gne mpanota, gn’Amalekita, ary media amindreo mandra-pahalavondreo.' 19Ino e raha tsy agnekenao gne rohon’i Yaveh, fa nan gala gne resy evakoa anao ary nagnano gne farane ratsy tamason’i Yaveh?''20Da hoy i Saoly tam’i Samoela se: "nagneky gne rohon’i Yaveh marigny iah abara, ary efa nagnaraky e lala nagnirahan’i Yaveh enay. Efa nosamboriko i Agaga, mpanjakan'igne Amaleka, ary efa novangoiko mafy gne Amalekita. 21Kanefa nangala gne sasany tame babo—ondry sy aomby, gne raha tena tsara natoka ho an'gne fandrava, ba hagnamboara soro ho an'i Yaveh Andriamanitry agne Gilgala gn’olo."22Da namaly i Samoela hoe: "Mankasitraky gne fagnatitry oroa sy gne soro dato me gn’Andriamanitry, akoigne fagneke gne rohon’i Yaveh? Tsara ambonine soro gne fagneke, ary gne miteno gne tsara ambonine gnatsarane nofitry gn’ondry lah varasa. 23Fa gne fikomia da akoigne fahotan'igne sikidy, ary gne fahamafisa loha da akoigne gne faharatsia sy gn’heloky. Satria efa tsy nekenao gne zakan’i Yaveh, da nandà anao tso mpanjaka evakoa Izy."24Da hoy i Saoly tam’i Samoela se: "Efa nanota iah; satria nandika gne didin'i Yaveh sy gne zakanao, satria natahatry gn’olo iah ary nino gne rohondreo. 25Amizao andro zao, ba mamelà ro gne helokiko, ary miveregna mindray aminah ba hanompoako en'i Yaveh.''26Hoy i Samoela tam’i Saoly se: "Tsy hipody hindray aminao esana iah; satria nandà gne zakan’i Yaveh enao, ary efa nandà anao tsy ho mpanjaka eo am'igne Israely i Yaveh.' 27Laha igne nivery hiala igne Samoela, da notanan’i Saoly gne sisine tomboky gn'akanjony, ka lasa rivatry iza.28Hoy i Samoela taminazy se: "Efa nalan'i Yaveh taminao gne fanjakan'Israely tandroany ary efa nomeny e namanao, tsara amboninao. 29Ary koa, gne Tanjak'Israely da tsy havandy na hagnova gne hevitriny amiza; fa tsy olo Izy, ka hivery hiova-kevitry."30Da hoy i Saoly se: "Efa nanota iah. Kanefa ba omeo voninahatry eo agnatrehan'igne loholone vahokiko sy eo agnatrehan'igne Israely ro iah za. Mela miverigny aminah indraiky, ba hanompoako en'i Yaveh Andriamanitriko." 31Da nipody nagnaraky en'i Saoly indraiky i Samoela, ary nanompo en'i Yaveh i Saoly.32Da hoy i Samoela se: "Indeso aty amina etoa i Agaga mpanjakane gn’Amalekita.'' Da nandeha taminazy i Agaga mifehy am'igne gadra-vy ary nagnano hoe: "da efa lasa dato gne fangidian'igne fahafatesa." 33Da namaly i Samoela hoe: "Araky gne nagnamboaran’igne sabatrao gne viavy tsy hiteraky, da tsy hiteraky akoiza koa i endrinao eo ame viavy." Da notapitapahan’i Samoela tagnatrehan'i Yaveh tagne Gilgala i Agaga.34Nandeha tagne Rama i Samoela, ary i Saoly niakatry tandragnony tagne Gibean'i Saoly. 35Tsy nahita en'i Saoly i Samoela hatrame gn’andro nahafatenazy, fa da nalahelo mafy en'i Saoly dato izy. Ary nanegny i Yaveh gname nagnamboarany en'i Saoly ho mpanjaka tam'igne Israely.
1Da hoy i Yaveh tam'i Samoela se: "Ovia gne farany andalanao en’i Saoly , satria tsy nekeko ho mpanjaka heran’ Israely izy? Fenoy menaky an-doha gne tandrokinao da mandihana. Hirako am'i Jese avy tagny Betlehema enao, f’efa nifidy mpanjaka tame zanany lelah iah."2Da hoy i Samoela se: "Akoignaia gn’andehanako? Laha mahare eniza i Saoly, da ho vonoy iah." Hoy i Yaveh se: "Mitondrà aombivavy kidikidy miaraky aminao da zakay hoe: 'Avy hagnano soro hoan'i Yaveh iah.' 3Angio agnety gne soro i Jese, da ambarako enao gnaninao. Hagnosotry gne raiky nozakaiko taminao iah."4Nagnano e raha nozakain'i Yaveh i Samoela sy nandeha tagny Betlehema. Natahatry gne lonaky tame tanà lefa nifanozo indreo da nizaka hoe: "Hifampihava amizay enareo?" 5Da namaly izy hoe: "Hihava; avy hagnano soro ho an'i Yaveh iah. Miomàgna enareo hadigniky gne tegnanareo sady hindray aminaha ame fagnamboara gne soro." Da natokan'i Jese sy gne zanany lelah nagnabara tamindreo andeha ame soro.6Laha avy indreo, da nagnety en'i Eliaba izy sy nizaka raiky hoe nitsanga nagnoloa anazy tokotry gne vaositr'i Yaveh. Nefa hoy i Yaveh tam'i Samoela se: "Ka magnety gne tareny ivelany, na gne halavany gne fitsaganany; satria defa tsy nagneky enazy iah. 7Fa i Yaveh da tsy magnety akoigne fagnitene gn’olombelo; gn’olombelo magnety gnendriky ambadiky, fa i Yaveh da magnety gnatrokin’olo dato."8Laha avy teo da nampagnaiky en'i Abinadaba i Jese sy nampandeha enazy akatrefan 'i Samoela. Da hoy i Samoela se: "Tsy nisafidy en’io Yaveh." 9Laha avy teo da nampandeha en'i Sama i Jese, da hoy i Samoela se: "Tsy nisafidy en'io Yaveh." 10Nampandeha en'i Jese takatrefan'i Samoela gne zanany fito lah. Da hoy i Samoela tam'i Jese se: "Tsy nisafidy en'ia ndre ia tamindreo i Yaveh."11Da hoy i Samoela tam'i Jese se: "Atoa gn’aby gne zananao lelah ?" Namaly izy hoe: "Mboa misy zanako faralah tavela agny, fa miandr’ondry." Hoy i Samoela tam'i Jese hoe: "Mandihana alay aty gne zanakao zany; satria tsy hidoboky itsika mandrampahaviny etoa." 12Nandeha i Jese da netiny niditra io korao io da mena volo sy bala maso ary tsara fitsangana. Hoy i Yaveh se: "Mitsangàna, hosoro izy; fa izy io."13Da nalain'i Samoela gne tandroky misy gne menakadoha da nosorany tategnategnane rahalany teo. Nilatsaky tam'i Davida gne fagnan'i Yaveh tam'iza andro za. La avy teo da nitsanga i Samoela da nandeha tagny Rama.14Ary niala tam'i Saoly gne fagnan'i Yaveh, ka nisy fagnah ratsy avy Tam'i Yaveh nampitahatry enazy. 15Hoy indreo mpiasan'i Saoly taminazy se: "Indro, misy fagnah ratsy avy ame gn'Andriamanitry mampitahatry enao. 16Aoky gne tomponay handidy gne mpiasanao takatrefanao ba hitady lelah raiky mahay lokanga. Ary lefa teo aminao gne fagnahy ratsy avy tamin'Andriamanitry, da hitendry iza izy ary ho tsara enao."17Hoy i Saoly tamindreo mpiasany se: "Hitadiavo lelah afaky mitendry tsara iah da eto atiky." 18Da namaly gne raiky tame korao, da nagnano hoe: "Efa nahita gne zanak'i Jese lelah ao Betlehemita iah, da tena mahay mitendry, matanjaky, lelah be matajan-droky, lelah mahay miady, mahay mandahatry roho, zatovolah; ary matoky en’ Yaveh." 19Da nampindahy hafatry tagny am'i Jese i Saoly, ary nizaka hoe: "Alefaso aminaha aty i Davida zanakao lelah, miaraky ame gn’ondriny."20Nangala boriky raiky nitatitry mofo, divay sehoa raiky, sy zanak'osy i Jese, ary nalefany niaraky tam'i Davida zanany lelah ho agny am'i Saoly. 21La avy teo da avy tam'i Saoly i Davida ary nanomboky gny fanompoany. Tian'i Saoly lotry izy, da nanjary mpindahy gne fediany.22Nagniraky en'i Jese i Saoly nagnano hoe: "Aoky i Davida hitsanga akatrefako, satria nahita fitiava tame masoko izy." 23Laha avy tam'i Saoly gne fagnah ratsy tame gn'Andriamanitry, da nagnala gne lokanga i Davida ary nitendry eniza. Da velombelo sy netsatsaky i Saoly, da niala taminazy gne fagnahy ratsy.
1Ary i Davida nilefa avy tagne Naiota agne Rama ka nandeha tagny am'i Jonatana ary nagnano hoe: "Ino me gne namboariko teo? Ino gn’heloky vitako? Ino gne fahota vitako tagnatrehan'iabanao, gne mampitadia lalakevitry enazy hamono ena." 2Da Hoy i Jonatana tam’i Davida se: "Sagnatria ro iza; tsofaty enao. Tsy magnano raha na zakabe na kidy ka tsy mampahafantatry ena iabako. Ino e tokony hagnafinian’iabako eniza laha misy? Ts’isy heky."3Ary da nagnome toky indraiky i Davida ka nagnano hoe: "Fantatry iabanao tsara fa nahazo fakasitra tamasonao iah. Efa nizaka izy hoe: 'Kany fantatr'i Jonatana lahateo izao, laha tsy iza da halahelo izy.' Nefa laha velo marigny i Yaveh, ary laha ambola velo evakoa enao, da kidy dato gnelagnela misy eo amina sy gne fahafatesa."4Ary hoy i Jonatana tam’i Davida se: "Na ino na ino rohoninao, da hamboariko ho anao."5Da hoy i Davida tam’i Jonatana se: "Laha homaray gne voalohane vola, ka tokony hiaray hidoboky hihina am'igne mpanjaka iah. Nefa apetray andehako, ba hisitriako atonda mandram-pahavine gn’harivane gnandro fahatelo.6Laha mahatsiaro ena iabanao, da amboaro hoe: 'Niera tamina avao i Davida ba hamonjy en'i Betlehema tanàny; satria da efa agnatine soro isan-tao ho ane fianakavia aby agne.' 7Da hoy izy se: 'Tsara iza,' da hahazo fiadana gne mpanompo enao. Fa laha vignitry be izy, da fantaro fa nanapa-kevitry hagnano ratsy izy.8Noho iza da mifagnaraha tsara ame mpanompo enao. Fa efa ninday gne mpanompo enao ho ame fagneken'i Yaveh nindray taminao enao. Nefa laha misy fahota amina, da enao gne hamono enah; da nagnino iah gne indesinao agne am’iabanao?" 9Da hoy i Jonatana se: "Sagnatria aminao ro iza! Laha nahafantatry iah fa nanapa-kevitry gne hagnano ratsy anao iabako, da tsy hizaka aminao san da iah?"10Da hoy i Davida tam’i Jonatana se: "Ia gne hizaka amina laha sagnatria mamaly enao ame roho mafy iabanao?" 11I Jonatana nagnano tam’i Davida hoe: "Alaska, andeha isika hijotso atonda." Ka nijotso tatonda izy roy lah.12Da hoy i Jonatana tam’i Davida se: "Yaveh, Andriamanitr'Israely ro gne ho vavavelo. Lefa avy magnontany en’iabako iah homaray akoizao lera zao, na ame gnandro fahatelo, hiteo, laha misy raha tsara ho an'i Davida, izy mesa tsa hagniraky ho agny aminao sy hampahafantatry enao iah? 13Laha mahafaly en’iabako gne hagnano ratsy enao, i Yaveh ro gne hagnano eniza am'i Jonatana ary samindraky laha tsy mampahafantatry eniza aminao sy mandefa anao iah, ba handihananao ampiadanana dato. Homba anao ro i Yaveh, akoign’efa nombàny en’iabako.14Fa laha ambola velo evao iah, izy mesaky tsy hagnambara aminah gne tsy fivadiham-paneken'i Yaveh ve ianao, ba tsy ho faty aho? 15Aza manapaka gne tsy fivadam-pagnekenao hiala am'igne ankohonako mandrakizay—ndre da foagnan'i Yaveh ame tany gne fahavalon'i Davida aby." 16Ary i Jonatana nagnano fagneke tame gn’ankohonan'i Davida ka nagnano hoe: "Yaveh ro gne hitaky gne honitry am'igne tanane fahavalon'i Davida."17Nampagnano voady en'i Davida indraiky i Jonatana nohone fitiavany enazy, satria tia anazy akoigne fitiavany gne fagnahany evakoa izy. 18Da hoy i Jonatana taminazy se: "Homaray gne voalohane vola. Ho tsarova anao satria foa gne fidoboanao. 19Lefa nisy telo andro enao, da midigna malaky ary mirosoa agne ame toera nisitrihanao lefa tatagna gne rahara, ary mandignasa akaik’igne pelapelambato Ezela.20Handefa zana-tsipìky telo eo agnilan'iza iah, akoigne gne mitifitry raha kindre io. 21Ary hagniraky gne koraolahako iah ba hizaka aminazy hoe: 'Alao tadiavo gne zana-tsipìky.' Laha mizaka ame koraolah iah hoe: 'Eh, io agnilanao io gne zana-tsipìky; alay io," da mevisa; fa hisy ferova ary tsy hisy ratsy ho anao, laha ambola velo evakoa i Yaveh.22"Nefa laha mizaka ame koraolah iah hoe: 'Eh, afaranao io gne zana-tsipìky,' da mandihana ame lalanao, fa efa nalefan’ i Yaveh enao. 23Laha gn’ame fifagnaraha nokoragnitsika, da ity, eo ategnategnatsika fehizay i Yaveh.'"24Da nisitriky tatonda i Davida. Lefa avy gne voalohane vola, da nidoboky nihina sakafo gne mpanjaka. 25Nidoboky tame sezane mpanjaka, akoigne gne mahazatry, tame seza takeke rindry. Nitsanga i Jonatana, ary i Abnera nidoboky tagnilan'i Saoly. Nefa tsy misy olo tame sezan'i Davida.26Tsambola nizaka ndre ino ndre ino i Saoly tam’io andro io, satria nieritreritry izy hoe: "Nisy raha nahazo enazy. Tsy madio izy; azo antoky fa tsy madio izy." 27Fa tame gn’andro faharoa koa, gne homaraine valohane vola, da foa gne sezan'i Davida. Da hoy i Saoly tam’i Jonatana zanany lelah se: "Ino e raha tsy nahavy gnanaky lahan’i Jese tame fihinana gne omaly ame tandroany?"28Jonatana namaly en'i Saoly hoe: "da efa nangataky alala mafy tamina i Davida ba handeha agne Betlehema. 29Hoy izy se: 'Apetray ro iah ba handeha. Fa gne fianakavianay mana soro hoamboary atanà ao, ary gne rahalahako nanery enah ba hoagny. Amizao fotoa zao, laha efa nahita sitraky tamasonao iah, da apetray ro iah ba handeha ary hagnety gne rahalahako.' Iza gnantony tsy nahavy enazy tambony latabatry gne mpanjaka."30Da lasa vignitry be en’i Jonatana i Saoly, ary hoy izy taminazy se: "enao gne zanaky lahane mpamadiky, viavy mpikomy! Izy mesa k’iah tsy mahafantatry fa efa nisafidy gnanaky lahan'i Jese ho fahamegnara ho anao, sy ho fahamegnarane fitanjahan'iendrinao enao?31Fa laha ambola miaigny ambonitany etoa gnanaky lahan'i Jese, da tsy ho tafapetraky na enao na gne fanjakanao. Da amizao fotoa zao, alefaso ary indeso aty aminah izy, fa tsy mentsy ho faty sinitry izy."32Da i Jonatana namaly en'i Saoly iabany hoe: "Fa ino gnantony tokony hamonoa enazy? Ino gne namboariny?" 33Ary i Saoly nagnapitsiky gne lefony taminazy ba hamono enazy. Ao da fantatr'i Jonatana fa tapa-kevitry dato gne hamono en'i Davida iabany. 34Niongatry niala tampivignira tame latabatry ary tsy nihinana sakafo i Jonatana gn’andro faharoane vola, fa nalahelo en'i Davida izy, satria nagnala baraka anazy iabany.35Gne marandray, da niray nijotso tam’i Davida tame fotoa vatondro i Jonatana sy gne koraolah nindray taminazy. 36Da hoy izy tame koraolahany se: "Mihazikaza ary tadiavo gne zana-tsipìky nitifirako." Ary laha nihazakazaky gne koraolah, da notifiriny zana-tsipìky gne tafarany tao. 37Lefa avy tame toera nitribehane zana-tsipìka nalefan'i Jonatana gne koraolah, da nangaiky gne koraolah i Jonatana avy eo, ary nagnano hoe: "Izy mesa tsy afaranao ao gne zana-tsipìky?"38Ary nangaiky gne koraolah i Jonatana hoe: "Mandihana malaky, mahavia mafy, ka mijano!" Ary gne koraolahan'i Jonatana nandagno gne zana-tsipìky niakatry ary nagnato gne tompony. 39Nefa tsy nahafantatry ndre ino ndre ino gne koraolah. I Jonatana sy i Davida evao gne nahafantatry e raha. 40Nomen'i Jonatana gne koraolahany gne fitovam-piada ary hoy izy taminazy se: "Mandihana, indeso agne atanà io."41Laha vao lasa gne koraolah, da nitsanga avy tambadik’igne dongon-tany i Davida, nagnoro-pokopoko tame tany, ary niondriky intelo. Nifagnoroky sy niray notagny indreo, ary i Davida notagny mafy. [Fagnamaria: Mivaky akoizao gne lahatsoratry Hebreo: "Niboda avy latantsimo i Davida." Gne dikane teny vaovao mandika an’io andala io ame fomba samy hafa satria sarotry takary gne teny Hebreo.] 42Hoy i Jonatana tam’i Davida: "Mandihana am-piadana, satria efa samby nivoady tame gnagnaran'i Yaveh itsika ary nagnano hoe: 'Yaveh ro ba ho eo ategnategnatsika, ary hoeo ategnategnane taranakiko sy gne taranakao mandrakizay.'" Ary nitsanga i Davida sady lasa nandeha, fa i Jonatana kosa da nipody tatanà.
1Da avy tao Noba i Davida ba hagnety an'i Ahimeleka mpisoro. Avy ba hitsena an'i Davida niaro tahatry i Ahimeleka ary nizaka taminazy hoe: "Ino e naha raiky enao ary tsy misy mindray aminao?" 2Hoy i Davida tam’i Ahimeleka mpisoro se: "Nandefa anah hagnatanteraky iraky gne mpanjaka ary nizaka taminah hoe: 'Kavela hisy hahafantatry ndre ino ndre ino mikasiky gne laha hagnilaha ko enao, sy gn’handidiako enao.' Nanoro lala gne koraolanao ho agny ame toera raiky iah.3Da ino mesa gnantagnanao io? Omeo mofo dimy iah, na gne misy atoa." 4Da namaly an'i Davida iza mpisoro za ka nagnano hoe: "Tsy misy mofo tsotry ampelatagnako, kanefa misy mofo masy—laha nahata-tegna tame viavy gne koraolanao."5Davida namaly gne mpisoro nagnano hoe: "Nahata-tegna tame viavy marigny iahay nandritry gne telo andro dikatry, akoigne gne fany isake fengako. Efa natoka gne fanagnane lelah io na da ho ame gniraky tsotry fotsiny. Vomaiky e vatoka hanagnandreo amizao!" 6A da nagnome enazy gne mofo vatoka gne mpisoro. Fa tsy nisy mofo afa-tsy gne mofon'igne fagnatreha avao gne tao, izay efa nala tagnatrehan'i Yaveh, ba hagnapetraha mofo vao ame toeran'iza tame gnandro nangala eniza.7Ary gne raiky tame mpanompon'i Saoly e tagny tam’iza andro iza, da vatazo tagnatrehan'i Yaveh. I Doega Edomita gnanarany, lelahabe ne mpendr’aombin’i Saoly.8Da hoy i Davida tam’i Ahimeleka se: "Tsy misy lefo na sabatry azo ampiasay heky me gnantagnanao io? Fa tsy ninday abara iah na gne sabatriko na gne fitaovam-pediako taty aminah, satria tena meky marigny gne raharaha n'igne mpanjaka." 9Hoy gne mpisoro se: "Gne sabatr'i Goliata gne Filistina, izay novoninao tagne ame Lohasahan'i Elaha, izay mifosogny lamba gnambadiky gne efoda gnatoa. Laha tianao alay iza, da alay, fa tsy misy fitovam-pedia hafa atoa." Da hoy i Davida se: "Tsy misy sabatry akoiza raiky za; omeo enah iza."10Da nitsanga i Davida ary nilefa an'i Saoly tam’iza andro za ka negnamin'i Akisa, mpanjakan'i Gata. 11Gne mpanompon'i Akisa nizaka taminazy hoe: "Tsy i Davida, gne mpanjakane tany me io? Tsy io me gne nifampihirahirandreo tame dihy hoe: 'Saoly namono an'arivony, ary i Davida namono an'aliny'?"12Noresin'i Davida am-po iza teny iza ka natahatry mafy an'i Akisa, mpanjakan'i Gata izy. 13Nagnova gne fihetsikiny tagnatrehandreo izy ka naniny ho mola tatagnandreo; nanoratsoratry tame lela-bavahady izy ary napetrany hivary ame volobavagne gne raniviny.14Avy teo da hoy i Akisa tame mpanompo enazy se: "Eh, hitanareo fa mola gne lelah. Ino e raha nindesanareo nenazy aminah etoa sa? 15Tsy ampy olo mola angaha iah, iza gne nindesanareo aminah io mba hagano fihsiky akoizao agnanatrehako? Hiditry andragnoko marigny me io nama io?"
1Ary hoy indreo tam’i Davida se: "Elaky eh! Miady am'i Keila gne Filistina ary mandripaky gne famoloana." 2Da nivavaky tam’i Yaveh i Davida ba hagnampy enazy ka nanontany Enazy hoe: "Tokony handeha hanafiky gne Filistina me iah ty ?" Ary hoy Yaveh tam’i Davida se: "Mandihana ary da tafiho gne Filistina ka vonjeo i Keila."3Ary hoy ireo lehilahan’i Davida taminazy se: "A da, matiahatry isika eto Joda. Samindraky handeha ho agny i Keila ka hiady ame tafiky gne Filistina?" 4Da ambola nivavaky tam’i Yaveh indraiky i Davida ba hagnampy enazy. Da namaly enazy i Yaveh hoe: "Mitsangàna, midìgna megnam’i Keila. Fa homeko enao gne fandrese gne Filistina."5Da negnam’I Keila i Davida sy gne lelahany ary niady tame filistina. Nindesiny lavitry gne biby fiompy ary namely enazy indreo tame famonoana zakabe izy. Ka voavonjin'i Davida gne mponin'gne Keila. 6Lefa nilefa tagne amin'i Davida tao Keila i Abiatara zanaky lahan’i Ahimeleka, da nidina nindray ame efoda tegne an-tanagne izy.7Ary nabara tam’i Saoly fa nankagne Keila i Davida. Da hoy i Saoly se: "Efa nomen'Andriamanitry enah ho eo am-pelatanako izy. Ka vahidy ao izy satria niditry tao ame tanà misy vavahady sy fefy." 8Nampangaiky gne tafikiny aby i Saoly ba hiady, hidy ho agny i Keila, ary hagnano fahirano an'i Davida sy gne lelahany. 9Ary fantatr'i Davida fa magnano teti-dratsy hanohera enazy i Saoly. Ary hoy izy tam’i Abiatara mpisoro hoe: "Indeso aty gn’efoda."10Da hoy i Davida se: "Ry Yaveh, Andriamanitry gn’Israely, efa rene mpanomponao marigny fa i Saoly da mikasa hoagny Keila, ba handringana gne tanà nohone gnaminah. 11Hanolotry enah ho eo an-tanany me gnolon'ny Keila? Hidigny me i Saoly, araky gne rene mpanomponao? Ry Yaveh, Andriamanitry gn’Israely, mitadianah aminao iah, mengavy re ba rohono gne mpanomponao." Ary hoy i Yaveh se: "Hidy izy."12Da hoy i Davida se: "Ho atolotry gn’olon'i Keila ho eo an-tanan'i Saoly me iah sy gne koraoko? Da hoy i Yaveh se: "Hanolotry enao indreo."13Da nienga i Davida sy gne koraony, izay tokony ho teo ame gn’eninjato, ka niala avy tao Keila, ary nandeha nifindrafindra toera. Nambara tam’i Saoly fa nilefa avy ao Keila izy, ary napetrany gne fagnenjeha. 14Nisy tagnaty ferova mafy tagny agn'efitry i Davida, tegne ame tany ambony tagne agn’efitry'i Zifa. Nikaroka azy isan'andro i Saoly, nefa gn’Andriamanitry tsy nanolotry enazy tatanany.15Ary hitan'i Davida fa nifofo gne vatany i Saoly; ary efa tagne agn’efitry gne Zifa agne Horesa i Davida.16Ary i Jonatana, zanaky lahan’i Saoly, nienga ka negnam’i Davida tagne Horesa, ary nagnome hery gne tanany tam’gn'Andriamanitry.17Hoy izy taminazy se: "Ka matahatry. Fa tsy ho hitane tagnan'i Saoly iabako enao. Enao gne ho mpanjaka eo ame gn’Israely, ary iah da ho eo agnilanao. Fantatr'i Saoly iabako iza." 18Nagnano fagneke teo agnolon’i Yaveh indreo. Da nisy tao Horesa i Davida, ary i Jonatana nody tagne ame tanany.19Ary nagnato an'i Saoly tao Gibea gne Zifita ka nizaka hoe: "Tsy i Davida me gne miafy agne aminay ao anatine batery ferova mafy an’i Horesa, agne ame vohotry Hakila, izay agne atsimon'i Jesimona? 20Amizao fotoa zao, midìgna, ry mpanjaka! Araky gne sitrakao, midìgna! Hagnome enazy ho eo am-pelatagnane mpanjaka gn’anjaranay."21Ary hoy i Saoly se: "Yaveh ro gn’hitah anareo. Fa nangoraka enah ianareo. 22Mandihana, amboaro azo antoky tsara. Fantaro sy tadiavo gne toera izay hisitrihany sy izay nahita anazy tagny. Nambara taminah fa fetsy marigny izy. 23Ka hiteo, ary fantaro gne toera aby izay hanitrihany gne tegnany. Da miveregna indraiky aty aminah hizaka marimarina tsara, da hindray aminareo hiverigny iah. Laha agne ame tany izy, da hoseziko ame Joda an'arivony aby."24Avy eo nitsanga indreo ka negnagny Zifa mialohan'i Saoly. Ary tagne ame gn’efitry gne Maona i Davida sy gne koraony, tagne Araba atsimon'i Jesimona. 25Nandeha nitadia anazy i Saoly sy gne koraony. Fa nambara tam’i Davida iza, ka nidina tagne ame tagne havoana be vato izy ary nonina tagne agn’efitryy Maona. Lefa nahare eniza i Saoly, da nanenjika an'i Davida tagne an-tany efitr'i Maona izy.26Ary i Saoly nandeha tame gn’ilane vohotry raiky, i Davida sy gne koraony kosa tame gn’ilany raiky hafa. Nandeha nalaky i Davida ba hagnalavitry en'i Saoly. Laha efa nagnodidy en'i Davida sy gne koraony i Saoly sy gne koraony ba hangala andreo, 27da nisy mpitondra teny nagnato an'i Saoly ka hoy izy taminazy se: "mevia aty heky aza, fa magnano fanafiha hanohitry gne tany gne Filistina."28Da nivery avy tame fagnenjeha an'i Davida i Saoly ary nandeha nifampikatoky tame Filistina. Noho iza gne nangia en’io toera io hoe: Pelapelam-batone Filefasa. 29Niakatry lahatagny i Davida ka nipetraky tame ferova mafin'i En-jedy.
1Ary i Joaba zanaky lahan'i Zeroia da nahafantatry fa nagniry gne hahita an'i Absaloma gne fone mpanjaka. 2Noho iza da nandefa roho ho agny Tekoa i Joaba ary ninday viavy hendry ho anazy. Hoy izy tam’iza viavy za se: "Ba mengavy re amboaro akoigne mandala enao ary mitafia akanjo fandala. Ba mengavy ro ka hosora diloilo gne tegnanao, fa magnamboara akoigne viavy izay nandala gne maty efa ela. 3Avy eo da mandihana megname mpanjaka ary koragno aminazy gne mikasiky gne ho faritako." Da norohonin'i Joaba taminazy gne roho izay tokony ho rohony tame mpanjaka.4Lefa nizaka tame mpanjaka iza viavy avy agny Tekoa, da nampiankohoky gne tarehiny tame tany izy ary nagnano hoe: "Ampio iah, ro mpanjaka." 5Da hoy gne mpanjaka taminazy se: "Ino gn’olagny?" Da Namaly izy hoe: "gne marigny da mpitondratena iah, ary maty gne vadiko."6Iaho, mpanomponao, da managnanaky roy lah, ary niady tatonda indreo, ka tsy nisy nagnasaraky endreo. Gne raiky namango gne raiky ary nahafaty enazy.7Amizao fotoa zao da mitsanga manohitry gne mpanomponao gne fianakaviambe manontolo, ary hoy indreo se: 'Homeo gne lelah izay namango gne rahalahany, ba hamonoanay enazy ho faty, ba hagnonitry gnaine rahalahany izay novonoiny.' Ka da ho vonoindreo koa gne mpandova. Da akoiza koa gne hangalandreo gne vain'afo mirehitry izay napetrakiko, ary tsy hagnapetraky gnagnara na gne taranaky etoa ambonine tany ho ane vadiko indreo."8Ka da hoy gne mpanjaka tamiza viavy za se: "Mandihana agny andragnonao, ary handidy raha hamboary ho anao iah." 9Da namaly gne mpanjaka iza vehivavin'i Tekoa za hoe: "Ry mpanjaka, tompoko, aoky ho aminah sy ho ame fianankavian’iabako gne heloky. Tsy manan-tsigny gne mpanjaka sy gne seza fiandrianany."10Namaly gne mpanjaka hoe: "ndre ia ndre ia miroho raha aminao, da ento aty aminah izy, ary tsy hikasiky enao koa izy." 11Da hoy i izy se: "Ba mengavy ro, aoky gne mpanjaka hahatsiaro an'i Yaveh Andriamanitryo, ka tsy hamotiky ndre ia ndre ia bebe kokoa gne mpamaly rà, ba tsy hamotehandreo gne zanako lah." Da namaly gne mpanjaka hoe: "Raha ambola velo koa i Yaveh, da tsy hisy ndre da singam-bolo raiky ame zanakao aza hihintsa ame tany."12Da hoy iza viavy za se: "Ba mengavy ro ba apetray gne mpanomponao ba hiroho teny fagnampiny ame tompoko gne mpanjaka." Da hoy izy se: "Mirohona." 13Da hoy iza viavy za se: "Ka nahoa ary enao gne mihevitry raha akoiza ame vahokin'Andriamanitry? Fa ame fizaka iza raha za, da akoign’olo meloky gne mpanjaka, satria gne mpanjaka da tsy ambola namerigny andragno koa gne zanany lah varoky. 14Fa tsy mentsy ho faty isika aby, ary akoigne rano araraky ame tany isika, izay tsy azo rofy koa. Fa gn’Andriamanitry tsy angala gn’ay; fa kosa, mahita lala ho agne izay varoky Izy ba ho apody koa.15Ka amizao fotoa zao ary, avy hizaka iza raha za ame mpanjaka tompoko iah, iza da satria nampitahatry enah gne vahoky. Ka niroho tame tegnany gne mpanomponao hoe: 'Hizaka ame mpanjaka iah izao. Angamba hagnatanteraky gne fangatahane mpanompony gne mpanjaka. 16Satria hiteno enah gne mpanjaka, ba hanolora gne mpanompony ho afaky ame tanane lelah izay hamotiky enah sy gne zanako lah, ho afaky ame lovan'Andriamanitry.' 17Avy eo da nivavaky gne mpanomponao hoe: "Ry Yaveh, aoky hagnameva anah gne tenine mpanjaka tompoko, satria akoign’anjelin'Andriamanitry, da akoiza koa gne mpanjaka tompoko ame fizaka gne tsara avy ame ratsy.' Engany ba Homba anao ro i Yaveh Andriamanitrao."18Avy eo da namaly gne mpanjaka ka niroho tam’iza viavy za hoe: "ba mengavy ro kafiny aminah izay rehetry hagnontaniako enao." Da namaly iza viavy za hoe: "Aoky hiroho gne mpanjaka tompoko amizao fotoa zao ." 19Da hoy gne mpanjaka se: "Izy me ko tsy miray aminao ame raha aby gne tanan'i Joaba?" Da namaly iza viavy za ka nagnano hoe: "Raha ambola velo koa enao, ry mpanjaka tompoko, da tsy misy afaky milefa megn’ankavana na megn’ankavia ame raha aby izay norohonine mpanjaka tompoko. I Joaba mpanomponao gne nandidy enah sy niroho taminah ba hiroho gne raha izay norohonine mpanomponao io. 20Efa nagnano en’iza i Joaba mpanomponao ba hampiova gne zava-mitranga. Hendry gne tompoko, akoigne fahendrene gn’anjelin'Andriamanitry, ary fantatriny gne raha aby izay mitranga eo ame tany."21Da hoy gne mpanjaka tam’i Joaba se: "Eka ro, hagnano en’iza raha za iah. Mandihana, ary ento mipody gne tovolah Absaloma." 22Noho iza i Joaba da nampiankohoky gne tarehiny tame tany ho voninahitry sy fisaora gne mpanjaka. Hoy i Joaba se: "Amizao fotoa zao da fantatry gne mpanomponao fa nahita sitraka tamasonao iah, ry mpanjaka tompoko, ame fagnatanterahane mpanjaka gne fangatahane mpanompony."23Da nitsanga i Joaba, ka negname Gesora, ary ninday an'i Absaloma nipody tagny Jerosalema. 24Hoy gne mpanjaka se: "Aoky izy hipody agny ame tragnony, fa kamboary mahita gne tarehiko." Noho iza da nipody tandragnony manoka i Absaloma, fa tsy nahita gne tarehine mpanjaka.25Ary nagnera an'Israely da tsy nisy olo noderay tame gn’hatsaran-tarehiny mihotry gnan’i Absaloma. Manomboky ame tombony ka hatrame tampondohany da tsy nisy kilema ba hita heky taminazy. 26Lefa manapaky gne volon-dohany izy isaky gne farane tao, satria navesatry taminazy eniza, da nolanjainy gne volony; milanja eo ame roanjato sekely eo iza, izay lanjay ame fandanjane mpanjaka. 27I Absaloma da niteraky telo lah sy viavy raiky, i Tamara gnagnarany. Viavy tsara tarehy izy.28Nipetraky roy tao feno tao Jerosalema i Absaloma, fa tsy nahita gne tarehine mpanjaka. 29Avy eo i Absaloma da nandefa roho ho an'i Joaba ba handefa anazy agny ame mpanjaka, Nefa tsy avy tagny aminazy i Joaba. Da nandefa roho fagnindroany i Absaloma, kanefa ts’ambola avy evakoa i Joaba.30Da hoy i Absaloma tame mpanompony se: "Eh, akekin’enah gn’horak'i Joaba, ary mana vary hordea ao izy. Mandihana ary oroy iza." Ka norohane mpanompon'i Absaloma gne horaky. 31Avy teo da nitsanga i Joaba ary negnam’i Absaloma tandragnony, ka nagnano taminazy hoe: "Ino gne nagnoroane mpanomponao gn’horakiko?"32Da namaly en'i Joaba i Absaloma hoe: "Igny, nandefa roho taminao iah nagnano hoe: 'Avia aty ba hahafahako magniraky anao ho agny ame mpanjaka ba hiroho hoe: "nagnino iah gne niala tagny Gesora? Tsara kokoa ho anah gn’ambola misihy agny. Noho iza ary da aoky iah hagnety gne tarehine mpanjaka, ka laha meloky iah, da aoky izy hamono enah."'"33Da lasa negname mpanjaka i Joaba ary niroho taminazy. Lefa nampangaiky an'i Absaloma gne mpanjaka, da nagnato gne mpanjaka izy ary niankohoky tambany tame tany nagnoloa gne mpanjaka, ary norohane mpanjaka i Absaloma.
1Lefa niala tsy lavitry gne tampone tendrombohitra i Davida, da avy nitsena anazy i Ziba mpanompon'i Mefiboseta nindray tame gnampondra roy misy lasely; indreo da nitondra mofo roanjato, sampam-boaloboky zato sy fehezan'aviavy zato, ary divay raiky tavoara. 2Niroho tam’i Ziba gne Mpanjaka hoe: "Nahoa gne ninday en’io raha io enao?" Namaly i Ziba hoe: "Gn’ampondra da namboary hipitiane gn’ankohonane mpanjaka, gne mofo sy gne mofo mamy misy aviavy da namboary ho hanine gn’olonao, ary gne divay da namboary ho sotroine izay torovagna tagny an-tany hay."3Hoy gne mpanjaka se: "Aia ary gne zafy lahane tomponao?" Namaly gne mpanjaka i Ziba: "Eh, nisihy tagny Jerosalema izy, fa hoy izy se: 'Androany da ho averine gn’ankohonan'Israely aminah gne fanjakan’iabako.'" 4Da niroho tam’i Ziba gne mpanjaka hoe: "eh, izay an'i Mefiboseta aby da lasanao amizao fotoa zao." Namaly i Ziba hoe: "Miondrika am-pagnetretegna eo agnatrehanao iah, ry mpanjaka, tompoko. Aoky hahita sitraka amasonao iah."5Lefa nagnato an'i Bahorima i Davida Mpanjaka, da nisy lelahy avy ame fokon'i Saoly nipoitry avy tagny, angia hoe: Simey zanak'i Gera. Nijotso nagnozo teny ampandihana izy.6Notorahany vato i Davida sy gne manam-pahefane mpanjaka aby, ndre da teo gne tafiky sy gne mpiamby izay takavia sy takavanane mpanjaka.7Nangaiky fagnozogna i Simey: "Mandihana agny, mandihana mijotso etoa, enao mpagnano ratsy, enao mpandatsaky rà! 8Novalian'i Yaveh taminareo aby gne ràne fianankavian'i Saoly nalatsakareo, tame toera nanjakanareo. Nomen'i Yaveh tatagnan'i Absaloma zanakao gne fanjaka. Avy ame faharava enao satria olone rà."9Da hoy i Abisay zanaky lahan'i Zeroia, tame mpanjaka se: "Nahoa io amboa maty io gne magnozo gne mpanjaka tompoko? Apetray ro iah handeha ary hanapaky gne lohany." 10Fa niroho gne mpanjaka hoe: "Mpifagnino me iah sy enao, ry zanaky lahan'i Zeroia? Magnozo enah angamba izy satria nizaka taminazy i Yaveh hoe: 'Ozony i Davida.' Ia iza gn’afaky hiroho aminazy hoe: 'Nahoa enao gne magnozo gne mpanjaka?'"11Ka hoy i Davida tam’i Abisay sy gne mpanompony aby se: "Eh, gne zanako lah, naterakiko, da ta hamono enah. Ka maiky fa gne fagnirian’i Benjamina gname faharavako? Apetrao izy ary apetray izy hagnozo, satria nibeko enazy hagnano en’iza i Yaveh. 12Hagnety gne fahoria miatefa aminah angamba i Yaveh, ary hamaly soa anah nohone ozo namboariny taminah tandroany."13Ka nandeha tandala i Davida sy gn’olony, ary i Simey kosa nagnaraky andreo avy eny ampita tatampone vohotry, nagnozo sy namafy vovoky ary nitora-bato enazy laha nandeha izy. 14Avy eo da valaky gne mpanjaka sy gn’olo aby izay nindray taminazy, ka nangala gnainy izy lefa nisihy indreo gn’hariva.15Ary i Absaloma sy gn’olon'Israely aby izay nindray taminazy, da avy tao Jerosalema, ary nindray taminazy i Ahitofela. 16Ary lefa avy teo am’i Absaloma, i Hosay gne Arkita, naman'i Davida, da nilaza tam’i Absaloma i Hosay hoe: "Ho ela velo ro gne mpanjaka! Ho ela velo ro gne mpanjaka!"17Hoy i Absaloma tam’i Hosay se: "Izao ve gne fahatokisanao abodanao ame namanao? Nahoa enao gne tsy nandeha nindray taminazy?" 18Hoy i Hosay tam’i Absaloma se: "Tsia! Fa gne raiky izay nofidian'i Yaveh sy gne vahoky ary gn’olon'Israely aby kosa, gne lelah izay hombako, ary hipetraky eo aminazy iah.19Ia evakoa, gn’olo tokony ho tompoiko? Tsy tokony hanompo eo ame fagnatrehane zanany lah ve iah? Akoigne nanompoako tame fagnatrehane iabanao, da hanompo eo ame fagnatrehanao iah."20Da hoy i Absaloma tam’i Ahitofela se: "Omeo gne torohevitrao iahay gname tokony ho amboarinay." 21Da namaly an'i Absaloma i Ahitofela hoe: "Mandihana miray matory ame vady mpanompon’iabanao izay napetrany hiamby gne lapa, ary ho ren'Israely aby fa nagnamembo tegna tam’iabanao enao. Avy eo da hatanjaky gne tanane gn’olo miray aminao."22Ary namelatry lay ho an'i Absaloma tatampone lapa indreo, ka niaray natory tame vady andefon’iabany tamason'Israely aby i Absaloma. 23Ary gne torohevitry nomen'i Ahitofela tam’iza andro za da akoigne ren'olo avy tame vavan'Andriamanitry mihitsy. Iza gne fahitan'i Davida sy i Absaloma gne torohevitr'i Ahitofela aby.
1Nozakay tam’i Joaba hoe: "Eh, mitomagny sy misaona ho an'i Absaloma gne mpanjaka." 2Ka da nivadiky fisaona hoane tafiky aby gne fandrese tam’io andro io, fa gne tafiky nahare en’iza tam’io andro io hoe: "Misaona hoane zanany lelah gne mpanjaka."3Tsy mentsy niala mangingy gne tanà tam’io andro io gne miaramila, akoigne vahoky megnatry miala moramora raha handeha ame gn'ady indreo. 4Nosarognane mpanjaka gne laharany ary notagny mafy hoe: "Ry Absaloma zanako, Absaloma, gne zanako, gne zanako!"5Ary niditry tandragno tame mpanjaka i Joaba ary niroho taminazy hoe: "Nangala baraka gne laharane miaramilanao aby tandroany, gne nagnavotry gne vatanao tandroany, gn’aine zanakao lahy sy gne zanakao vavy, sy gn’aine vadinao ary gn’aine vadine gn’andevonao enao, 6satria enao da tia gne malaign’enao, ary tsy tia gne tia anao. Fa tandroany da nabodanao fa tsinontsino aminao gne mpifehy sy miaramila. Amizao fotoa zao da mino iah fa laha velo i Absaloma, ary maty daholo isika, da nahafaly enao iza.7Ka noho iza mitsangàna ka mijotsoa ary izakay moramora gne miaramilanao, fa misoma ratsy am’i Yaveh iah, fa raha tsy mandeha enao, da tsy hisy olo ndre raiky aza hijano hiray aminao tandroany ariva. Ho ratsy dato aminao nohone loza aby gn’efa nahazo enao hatrame fahatanoranao ka hatram’izao iza." 8Ka nitsanga gne mpanjaka ary nidoboky tame fefine tanà, ary gne vahoky aby nirohona hoe: "Eh, midoboky ame fefy gne mpanjaka," ary negnaloany gne vahoky aby. Da nilefa gn’Israely, samy negnandragnony aby gn’olo aby.9Ary gne vahoky aby niady hevitry gname fokon'Israely aby nagnano hoe: "Namonjy entsika tantana gne fahavalontsika gne mpanjaka, ary nagnavotry entsika tatanane Filistina izy, fa amizao fotoa zao da nilefa gne tany izy noho i Absaloma. 10Absaloma, gne nohosorantsika ba ho re laza tamintsika tetoa, da efa maty tagny ame gnan'ady. Ka nagnino enareo da tsy miroho n’ino n’ino gname fampodia gne mpanjaka?"11Davida mpanjaka nagniraky tagny am’i Zadoka sy Abiatara mpisoro nagnano hoe: "Izakay gne loholon'i Joda hoe: 'Ino e nahafarany e nampodia gne mpanjakanareo tame lampany sa, nefa gne rohone gn’Israely aby da misaotry zakabe gne mpanjaka, ba hinday enazy hipody any ame lapany? 12Rahalahako enareo, nofo aman-drahako dato. Ka aminio da nagnino enareo koa gne lasa farany ame fampodia gne mpanjaka?'13Ary izakay i Amasa hoe: 'tsy nofy aman-drahako me enao? Lonoky hohamboarin'Andriamanitry aminah iza, ary mihotry en’iza aza, laha tsy kapitenine tafikiko eo ame toeran'i Joaba enao manomboky zao." 14Ary da babony akoign’olo raiky gne fone lelahan'i Joda aby. Nagniraky tagny ame mpanjaka indreo nagnano hoe: "Miveregna, enao sy gn’olo aby." 15Da nipody gne mpanjaka ka avy tame Jordana. Ary gne vahokin'i Joda avy te Gilgala ba hitsena gne mpanjaka ary avy eo hinday gne mpanjaka hitsaky gne Jordana.16Simey zanaky lahan'i Gera, gne Benjamita, izay avy agny Bahorima, da nidy malaky nindray tame vahokin'i Joda ba hitsena an'i Davida Mpanjaka. 17Nisy arivo lahy avy agny Benjamina nindray taminazy, ary i Ziba gne mpanompon' i Saoly, sy gne zanany lahy dimy amby folo ary gne mpanompony ropolo nindray taminazy. Nitsaky gne jordana takatrefane mpanjaka indreo. 18Nitsaky ba hinday gne fianakaviane mpanjaka sy hagnano gne raha aby noheveriny fa tsara indreo. Niankohoky takatrefane mpanjaka i Simey zanaky lahan'i Gera mialohane hitsakiany gne Jordana.19Hoy i Simey tame mpanjaka se: "Avandesa, ry tompoko, ka magnameloky enah na mahatsiaro gne namboarine mpanomponao tame fahamasignane loha tame gn’andro nialane mpanjaka tompoko tao Jerosalema. Mengavy, ao ba tsy handray eniza agnatitroky gne mpanjaka. 20Fa gne mpanomponao da mahafantatry fa efa nanota iah. Eh, iza gn’antony nevisako valohany tame fianakavian'i Josefa aby tandroany ba hidy hitsena gne mpanjaka tompoko."21Fa i Abisay zanaky lahan'i Zeroia da namaly ary nagnano hoe: "Tsy tokony ho vonoy ve i Simey noho iza, satria nagnozo gne voahosotr'i Yaveh izy?" 22Ary i Davida niroho hoe: "Mpifanino me itsika roy, ry zanaky lahan'i Zeroia, gne tokony ho mpanohitry enah enareo amizao fotoa zao? Tokony hisy lelahy ho vonoy ve gn’etoa ame gn’Israely androany? Izy me ko tsy fantatrao fa iah gne mpanjakan'Israely amizao?" 23Ka niroho tam’i Simey gne mpanjaka hoe: "Tsy ho faty enao." Da nampagnantegna anazy tamim-pianiana gne mpanjaka.24Ary i Mefiboseta zanaky lahan'i Saoly da nidy ba hitsena gne mpanjaka. Tsy nanasa gne tombokiny izy, na nangala gne volom-bavany, na nanasa gne lambany nanomboky tame gn’andro nandihanane mpanjaka ka hatrame gn’andro nevisany soa aman-tsara tandragno. 25Ka lefa avy lahatagny Jerosalema izy ba hitsena gne mpanjaka, da hoy gne mpanjaka taminazy se: "Ino e tsy nampindray enao taminah, ry Mefiboseta?"26Da namaly izy hoe: " Ry mpanjaka tompoko, namitaky enah gne mpanompoko, fa hoy iaho se: 'Hagnisy lasely gn’ampondrako iah ba hahafahako mipitsiky iza sy mindray ame mpanjaka, satria mandringa gne mpanomponao. 27I Ziba mpanompoko da efa nagnendrikendriky enah, mpanomponao, tame mpanjaka tompoko. Fa gne mpanjaka tompoko da akoign’anjelin'Andriamanitry. Noho iza, amboaro gne tsara eo amasonao.28Satria gne taranak’iabako aby da efa lelah maty eo agnatrehane mpanjaka tompoko, kanefa enao nagnapetraky gne mpanomponao ho isane nihina tame latabatrao raiky. Ka ino koa noho iza gne rariny ho anah izay tokony ambola hitaraignako ame mpanjaka?"29Dia hoy gne mpanjaka taminazy se: "Nahoa laha magnazava laha mihotry?" Efa nanapakevitra iah fa enareo am’i Ziba gne hizara gne saha." 30Ary i Mefiboseta da namaly gne mpanjaka hoe: "Eny, ao ba izy gn’angala anazy aby, satria gne mpanjaka tompoko da efa avy soa aman-tsara atoa andragnony."31Ary i Barzilay gne Gileadita da nidy avy agny Rogelima ba hitsaky gne Jordana mindray ame mpanjaka, ary nagnatitry gne mpanjaka nitsaky gne Jordana izy. 32I Barzilay da lelahy efa tena antitry, valopolo tao. Efa nagnome vatsy gne mpanjaka izy fony izy nidoboky tao Mahanaima, satria lelah tena mpanefoefo izy. 33Hoy gne mpanjaka tam’i Barzilay se: "Ndeha hiaraky mita aminah, ary hagnome enao toera mindray aminah any Jeroselama iah."34I Barzilay da namaly gne mpanjaka hoe: "Firy me gne sisa ame gn’andro hiainako, gn’ambola tokony hindray hiakatry ame mpanjaka any Jerosalema iah? 35Valopolo taon iah. Mahay magnavaky gne tsara ame ratsy me iah? Mahavita mihina gne hohaniko sy tranomiko me gne mpanomponao? Izy me ko mahare gne feone mpihira lah sy mpihira vavy koa? Ka nagnino gne mpanomponao gn’ambola ho vesatry ho ane mpanjaka tompoko? 36Ta-hitsaky gne jordana mindray ame mpanjaka fotsiny gne mpanomponao. Ka nagnino gne mpanjaka gne da hamaly fitia anah akoiza?37Ao ba gne mpanomponao hody, ba ho faty agny ame tanàko eo akaikine fasan’iabako sy iendriko iah. Fa igny, inty i Kimama mpanomponao. Ao ba izy hiara-mita ame tompoko mpanjaka, ary amboaro aminazy gn’heverinao fa tsara aminao."38Da namaly gne mpanjaka hoe: "Hiara-mita aminah i Kimama, ary hamboariko aminazy gn’heverinao fa tsara, ary n’ino n’ino irinao aty aminah, da hataoko iza ho anao."39Ary da nitsaky an'i Jordana gne vahoky aby, nitsaky gne mpanjaka, da nagnoroky en'i Barzilay izy ary nitso-drano enazy. Da nody tandragnony i Barzilay.40Da nita an'i Gilgala gne mpanjaka, ary i Kimama nita nindray taminazy. Gne tafik'i Joda aby da ninday gne mpanjaka nitsaky, ary koa gn’antsasane tafiky gn’Israely. 41Vetivety da nanomboky avy tame mpanjaka gne lelahan'Israely aby ary niroho tame mpanjaka hoe: "Nahoa gne rahalahantsika, gne lelahan'i Joda, gne nangalatr’enao ary ninday gne mpanjaka sy gne fianakaviany nita an'i Jordana, ary gne lelahan'i Davida aby nindray taminazy?"42Da namaly gne lelahan'Israely gne lelahan'i Joda hoe: "Iza da nohone mpanjaka akekenay. Da nahoa enareo gne vignitry am’iza? Efa nandany e novidine mpanjaka me iahay? Efa nagnome fagnomeza ho anay me izy?" 43Da namaly gne lelahan'i Joda gne lelahan'Israely hoe: "Mana foko folo mifandray ame mpanjaka iahay, noho iza manan-jo gnam’i Davida noho enareo iahay. Da nahoa enareo gne magnano tsinontsino enay? Moa ve tsy gne tolo-kevitray gname hindesa gne mpanjakanay hipody gne rè voalohany?" Fa gne zakane lelahan'i Joda da mahery dato nohone rohone lelahan'Israely.
1Nisy sakave nandritry gne telo tao tame gn’andron'i Davida, ary nitadia gne laharan'i Yaveh i Davida. Ka hoy i Yaveh se: "Ho aminareo io sakave io nohon’i Saoly sy gne fianangalaviany mpamono olo, satria namono gne Gibeonita izy."2Ary gne Gibeonita da tsy avy tame vahokin' Israely; fa avy ame sisane gn’Amorita indreo. Efa nisoma ratsy tsy hamono endreo gne vahokin'Israely, kanefa narisiky gne hamono endreo evakoa i Saoly ho ane vahokin'Israely sy Joda. 3Noho iza i Davida Mpanjaka da nangaiky nindray gne Gibeonita ary niroho tamindreo hoe: "Ino e tokony hamboariko ho anareo? Akoingaia gne hahafahako magnano fagnavota, ba hagnomezanareo tso-drano gne vahokin'i Yaveh, gne mandova gne hatsaràny sy gne fampagnantegnany?"4Da namaly endreo i Gibeonita hoe: "Tsy koraha volafotsy na volamena eo aminay sy i Saoly na gne fianangalaviany iza. Akoiza koa gne tsy hamonoanay gn’olo ao Israely." Da namaly i Davida hoe: "Ino gne rohoninareo fa tokony hamboariko ho anareo?"5Namaly gne mpanjaka indreo hoe: "gne lelahy gne nimany hamono enay aby, gne nagnano tetiky hanohera anay, ba ho potiky iahay izao ary tsy hana toera ao ame sisintanin'Israely— 6ao ba hisy lelah fito avy ame taranakiny home enay, ary hagnanto endreo eo agnatrehan'i Yaveh agny Gibean'i Saoly, gne raiky nofidin'i Yaveh iahay." Da hoy gne mpanjaka se: "Homeko enareo indreo."7Fa namindra fo tam’i Mefiboseta zanaky lahan'i Jonatana zanaky lahan’i Saoly gne mpanjaka, nohone fianianan'i Yaveh tamindreo, tam'i Davida sy Jonatana, zanaky lahan’i Saoly. 8Kanefa nalaine mpanjaka gne zanaky roy lah an'i Rizpa zanaky vavin'i Aia, zanany avy am’i Saoly—Armony sy Mefiboseta gnagnarane roy lah; ary nalain'i Davida evakoa gne zanaky dimy lahy an'i Mikala zanaky vavin'i Saoly, izay avy am’i Adriela zanaky lahan’i Barzilay gne Meholatita. 9Natolotriny tatagnane Gibeonita indreo. Nahantondreo tagny ame vohitry nagnoloa an'i Yaveh indreo, ary nindray maty izy fito. Tame fotoam-pararano gne namonoandreo, nandritry gn’andro valohany tame fentombohane fijinja gne vary hordea.10Avy eo i Rizpa, zanaky vavin'i Aia, nangala lamba fisaona ary namelatry en’iza ho ane tegnany tame vohitry akeky gne vata-mangatsiaka, hatrame fentombohane fijinja ka hatrame nahameriky gn’andro tamindreo avy latandagnitry. Tsy napetrakiny hagnakorontagna gne raza gne voron-dagnitry gnatoandro na gne bibidine gnariva.11Nokoragny tam’i Davida gne namboarin'i Rizpa, zanaky vavin'i Aia, gne vady andevon'i Saoly.12Noho iza da nandeha i Davida ary nangala gne tolan'i Saoly sy gne tolan'i Jonatana zanany lahy tame lelahan’i Jabesi-gileada, nangalatry gne tame kianjane daholobe tagny Beti-sana, tagny ame nagnantognane Filistina andreo, lefa avy namono an'i Saoly tao Gilboa indreo.13Nalain'i Davida hiala tao gne tolan'i Saoly sy gne tolan'i Jonatana zanany lah, ary nandagno gne tolane lelah fito nahanto evakoa indreo.14Nalevindreo tagny ame tanàn'i Benjamina tagny Zela gne tolan'i Saoly sy Jonatana zanany, tame fasan'i Kisy iabany. namboarindreo aby gne raha nodidiane mpanjaka. Tafaran'iza da novalian'Andriamanitry gne vavakindreo ho ane tany.15Avy eo gne Filistina da nandeha niady tam’israely indraiky. Noho iza da nidy nindray tame tafikiny i Davida ary niady nanohitry ane Filistina. 16I Jisbibenoba, taranaky gne Refaita, nibata telonjato sekely gne lefony varahina, ary nana sabatry fitaovam-pedia vaovao, da nikasa hamono an'i Davida. 17Kanefa i Abisay zanak'i Zeroia nagnavotry an'i Davida, nanafiky gne Filistina, ary namono enazy. Avy eo gne lelahan’i Davida nivoady taminazy, nagnano hoe: "Tsy tokony handeha hiady hindray aminay koa anao, ba tsy hamonoanao gne jiron'Israely."18Ary tafaran'io da nisy ady nindray tame Filistina indraiky tao Goba, lefa novonoin'i Sibeka gne Hosatita i Safa, gne raiky tame taranake Refaita. [Fagnamariha: laha tokony ho "Goba" ao ame Hebreo, da mivaky akoizao gne dikane teny sasany: "Geseta" na "Gesera."] 19Da nisy ady indraiky tame Filistina tao Goba, namonoan'i Elanana zanaky lahan’i Jare gne Betlehemita an'i Goliata gne Gatita, akoigne vodi-tenone mpagnenone lefony20Ary tame gnady hafa tao Gata da nisy lelah vivety nana rantsan-tagna enina isaky gne tagnany ary rantsan-tomboky enina isaky gne tomboky, efatra amby ropolo gne isany. Avy ame taranaky Refaita evakoa izy. 21Lefa naneso an'Israely izy, da novonoin'i Jonatana zanaky lahan’i Simea, rahalahan’i Davida. 22Iza gne taranaky Refaita tao Gata, ary novonoine tanan'i Davida sy gne tanane miaramilany izy.
11- Da raha afaky andro maromaro da avy tam'i Elia gne zakan'i Yaveh, tamin'gne tao fahatelon'gne hai-tany, nagnano oe: " Mandihana, mibôky am'i Ahaba da handefa rikandro ame tany ia". 22- Nandeha nibôky tam'i Ahaba Elia, da mafy gne mosary tagny Samaria.4141- Oy i Elia tam'i Ahaba:" Mitsangana, mihinana da mindranoma, fa ijanagny gne feon'gne rikandro-be". 4242- Ka da niakatry mba hihina sy hindrano i Ahaba. Da niakatry ta an-tampon'i Karmela i Elia, nihondriky tame tany izy, da nametraky gne tareny tagnelagnelan'gne lohany.
1T'afarane nahafatesan'i Ahaba da nivorivory nanohitry an'Israela i Moaba. 2Da lavo tame mangarakaraky tame gn'efitragnony tao Samaria i Ahazia, sady naratry. Da nalefany gne mpinday hafatriny sady hoy izy tamindreo hoe: ''Mandiana, da magnotania an'i Bela-zeboba, zagnaharin'i Ekrona, raha ho sitragny am'ity ratriko ity iaho.''3Fa gn'anjelin'i Yaveh nizaka tam'i Elia Tisbita hoe: ''Mialà, mekara hiaogny ame mpinday hafatry gne mpanjakan'i Samaria, sady agnotanio amindreo hoe: 'Da satria me tsisy gne Zagnahary ao Israely gn'andianagny hangala hevitry agny Bela-zeboba, zagnaharin'i Ekrona enao? 4Noho iza da hoy i Yaveh hoe: ''Tsy hidigny ame fandrianao gn'efa nekaranao etsanaky enao; fda, ho faty dato enao.''' Avy teo da lasa i Elia.5Rehefa nipody tagny am'i Ahazia mpinday hafatry, da hoy izy tamindreo hoe: ''Nagnino evakoa enareo niverigny sa? 6Hoy indreo taminazy hoe: ''Nisy lelahy raiky nifakanendriky taminay nizaka hoe: ''Mipodia agny ame mpanjaka nandefa enareo, sady zakay enazy hoe: ''Izao gne nozakain'i Yaveh: 'Da satria me tsisy Zagnahary ao Israely gn'andianane gn'olonao hangala hevitry agny am'i Bela-zeboba, zagnaharin'i Ekrona enao? Da noho iza da tsy hidigny avy ame fandrianao eo gn'efa nekaranao enao; fda, ho faty dato enao.'''7Ahazia nizaka tamindreo mpandefa gne hafatriny hoe: ''Lelahy akoignaia iza lelahy nifakanendriky tamign'andro iza sady nizaka an'iza zaka iza?'' 8Namaly enazy indreo hoe: ''Nagnisy akajo vita tame volo izy sady fehitroky oditry tame vaniany.'' Da namaly gne mpanjaka hoe: ''Elia Tisbita iza.''9Da nandefa kapiteny miarak'ame maramila dimapolo ho agny am'i Elia gne mpanjaka. Niakatry tagny am'i Elia nipetraky tagny ame mokom-bohitry gne kapiteny. Hoy gne kapiteny taminazy hoe: ''Eh enao, lelane Zagnahary, nizaka gne mpanjaka hoe: 'Midìgna.''' 10Elia namaly sady nizaka tame kapiteny hoe: ''Raha lelane Zagnahary iaho, da aoky hilatsaky avy agny ame lagnitry gn'afo sady hagnamay anao sy gne dimapolo lahinao.'' Da nilatsaky avy tagny an-dagnitry gn'afo sady nagnamay anazy sy gne dimapolo lahy.11Nandefa kapiteny hafa indraiky niaraky tame maramila dimapolo ho agny am'i Elia i Ahazia mpanjaka. Hoy iza kapiteny izany evakoa tam'i Elia hoe: ''Eh enao, lelahine Zagnahary, mijaka gne mpanjaka hoe: 'Midìgna malaky.''' 12Elia namaly sady nizaka tamindreo hoe: ''Raha lelahane Zagnahary iaho, da aoky hilatsaky avy agny ame lagnitry gn'afo sady hagnamay anao sy gne dimapolo lahinao.'' Da nilatsaky avy tagny an-dagnitry gn'afo sady nagnamay anazy sy gne dimapolo lahy.13Da mbola nandefa piady dimapolo fagnitelony indraiky gne mpanjaka. Niakatr'io kapiteny io, nandoaliky t'aloan'i Elia izy, sady nengavy anazy sy nizaka taminazy hoe: ''Eh enao, lelahine Zagnahary, mangataky aminao, aoky ho sarobidy eo amasonao gn'aiko sy gn'ain'itoa mpanomponao dimapolo itoa. 14Eka dato, nilatsaky avy t'andagnitry tegny gn'afo sady nagnamay gne kapiteny roy vôloany miarak'ame lelahiny, fa am'izao aoky ho lafo vidy amasonao gn'aiko.''15Sady gn'anjelin'i Yaveh nizaka tam'i Elia hoe: ''Midìgna miarak'aminazy. Ka malia anazy.'' Da nitsanga Elia sady nidigny niaraky taminazy ho agny ame mpanjaka. 16T'afara kidin'iza da hoy Elia tam'i Ahazia hoe: ''Izao gne nozakaine Zagnahary hoe: 'efa nandefa mpinday hafatry hangala hevitry tagny am'i Bela-zeboba , zagnaharin'i Ekrona enao. Da satria me tsy misy Zagnahary ao Israely gn'efa angatahanao fapahafatara? Da am'iza, tsy hidigny avy eo ame fandria gne nekaranao enao; fa ho faty dato enao.'''17Da maty arake zakan'i Yaveh gne nozakain'i Elia i Ahazia mpanjaka. Jorama gne nanomboky najaka t'ame teora teo, tame tao faharoy najakan'i Jehorama zanak'i Josafata mpanjakan'i Joda, satria tsy nanagn'anaky i Ahazia. 18Sady gn'ame rahara hafa mikasiky gnan'i Ahazia, izy me kô ts'efa vôsoratry ao ame boky tatarane mpanjakan'Israely iza?
1Sady rehefa handeha hapiakatry an'i Elia tame tafio-drivotry ho agny an-dagnitry i Yaveh, da niala tao Gilgala niataky tam'i Elisa i Elia. 2Hoy i Elia tam'i Elisa: ''Mba mijànogna rô etoa, satria efa nagniraky anah ho agny Betela i Yaveh.'' Da namaly Elisa hoe: ''Raha mbola velo evako i Yaveh, sady raha mbola velo koa enao, da tsy hiala anao iaho.'' Da nidigny tagny Betela indreo.3Negnagny am'i Elisa gne zanake paminany nandeha tagny Betela sady nizaka taminazy hoe: ''fatatrao evao me fa angala gne tomponao aminao i Yaveh androany?'' Namaly Elisa hoe: ''Eka, fatako iza, fa ka miresake momba an'iza.'' 4Hoy i Elia taminazy: ''Elisa, mba mandignasa rô etoa, satria efa nagniky anah ho agny Jeriko i Yaveh.'' Da namaly Elisa hoe: ''Raha mbola velo evakoa enao, da tsy hiala anao iaho.'' Da nandeha tagny Jeriko indreo.5Da negnagny am'i Elisa gne zanake paminany tagny Jeriko taminazy hoe: ''Fatatrao evao me fa angala gne tomponao i Yaveh androany?'' Da namaly Elisa hoe: ''Eka, fatako ka, fa ka miresaky gne momba an'iza.'' 6Da hoy i Elia taminazy: ''Mba mijànogna rô, fa Yaveh efa nagniraky anah ho angny Jordana.'' Namaly Elisa hoe: ''Raha mbola velo evakoa Yaveh, sady raha mbola velo evakoa enao, da tsy hiala anao iaho.'' Da nandeha izy roy.7T'afara kidy taty, da nisy dimapolo tame zanake paminany nitsanga nifagnatriky tamindreo t'alavitry be tegny raha nitsanga t'amoron'i Jordana izy roy. 8Nalàn'i Elia gne lambany, da naforoporotriny, da novangoiny fiky tam'iza gne rano. Nizara roy gne rano da nandeha tame tany maigny izy roy.9Da rehefa nitsaky indreo, da hoy Elia tam'i Elisa: ''Angatay aminah lahateo gne raha tokony haniko aminao meloane gn'angalà anah aminao.'' Namaly Elisa hoe: ''Ao rô mba ho avy aminah gn'apahane fagnanao.'' 10Namaly Elia hoe: ''Efa nangataky raha sarptry enao. Ndre iza da, raha itanao iaho alà aminao, da hitranga aminao iza, fa ts'iza, da tsy hitranga evakoa iza.''11Raha mbola nandeha sy niresak'indreo, da igny, nisy kalesy afo sy sôvaly afo niboda, gne nagnasaraky anazy roy lahy, sady niakatry tame tafio-drivotry tagny niakatry an-dagnitry i Elia. 12Nahita an'iza i Elisa da nitoreo mafy hoe: "O aba, ô aba, gne kalesin'Israely sy gne pipitiky aminazy!'' Tsy hitany etsanaky i Elia, da notazominy gn'akajony sady notriatiny roy izy.13Nalainy gne lamban'i Elia gne latsaky avy taminazy tegny, sady nipody mba hitsanga amoron'i Jordana izy. 14Novangoiny fiky tame lamban'i Elia latsaky taminazy gne rano da hoy izy:"Aia i Yaveh, Zagnaharin'i Elia?'' Rehefa namango fiky gne rano izy, da nizara roy gne rano da nitsaky i Elisa.15Rehefa hitane zanake paminany gn'avy agny Jeriko t'agnilany teo izy, da hoy indreo: ''Mipetraky ao am'i Elisa gne fagnahin'i Elia!'' Da avy hitsena anazy indreo, sady nandongaliky tame tany teo indreo. 16Hoy indreo taminazy: ''Gn'amizao, da mizy lalahy mafy dimapolo eo ame mpanomponao. Hapetray indreo handeha, mangataky iahay, mba hitadia gne tomponao, saky napekariny sy nariane fagnahin'i Yaveh agny ame mokom-bohitry ndre agny ame farihy izy. Namaly Elisa hoe: ''Aeky, ka magniraky endreo.''17Nefa rehefa napirisiky an'i Elisa mandra-pahamegnatry anazy indreo, da hoy izy: ''Iray indreo.'' Da nagniraky lelahy dimapolo indreo, sady nitadia nandrite telo andro indreo, nefa da tsy nahita anazy. 18Nipody tagny am'i Elisa indreo, raha nipetraky tao izy, da hoy tamindreo hoe: ''Tsy nizaka tamindreo me iaho hoe: 'Ka mandeha'?''19Gn'olo ame tanà da nizaka tam'i Elisa hoe: ''Io, mengàvy anao iahay, gne raha-misy am'ty tanà 'ty da mahafinaritry, akoign'itanao tapokoy izao, nefa ratsy gne rano sady gne tany koa tsy mamokatry.'' 20Namaly Elisa hoe: ''Indeso lasety vaovao iahao da iseo sira agn'atiny,'' da ninday an'iza taminazy teo indreo.21Nivôky negnagny ame loarano Elisa sady nagatsipy sira t'agnatin'iza; da hoy izy hoe: ''Akoizao gne nozakain'i Yaveh: 'Efa nagnasitragny ireo rano ireo Iaho. Manomboky am'izao fotoa zao, da tsy hisy fahafatesa ndre tany tsy mamokatry etsanaky.''' 22Ka da sitragny gne rano nanomboky t'androany, tamign'lalane zaka nozakain'i Elisa.23Da niakatry avy tao ho agny Betela Elisa. Rehefa nandeha gne lalany izy, da nisy kirao lahy nivôky tao ame tanà sady nanivativa anazy, hoy indreo taminazy: ''Mekàra enao solamota! Mekàra enao solamota!'' 24Nitodiky igny i Elisa da nahita andreo; nangaiky an'i Yaveh izy mba hagnozogny andreo. Da nisy biby roy nivôky avy t'agnaty ala da nandratry gne roy amby efapolo tame tovolahy. 25Da niala teo i Elisa ka hoagny ame mokom-bohitry Karmela, sady avy teo gne nipodiany ho agny Samaria.
1Da gne raiky tame vadine zanake mpamonany da tonga notagny tam'i Elisa, nizaka hoe: ''Mat'e vadiko gne mpanomponao sady fatatrao fa gne mpanomponao da nalia an'i Yaveh. Am'izao gne mpampindram-bola da tonga angala gne zanako roy mba ho mpanompony.'' 2Da hoy i Elisa taminazy: ''ino gn'azoko anigny aminao? Zakay anah hoe ino aby gn'anagnanao andragno ao?'' Da hoy izy: ''Tsy mana ndre ino ndre ino afa-tse menaky tavoangy raiky gne mpanomponao ao an-dragno.''3Da hoy i Elisa: ''Mandihana mindra sehoa agny ame mpifagn'efitry tragno aminao, sehoa tsisy raha.'' Farane zakabe gn'indramo. 4Avy teo da tsy maintsy miditry ao agnatiny enao sady mirindrim-barangara ao enao sy gne zanakao lelahy, sady magnidigna menaky ao ame sehoa aby; sady atokàno gne sehoa feno.''5Da niala an'i Elisa izy sady nirindrim-barangara izy sy gne zanany lelahy. Nindresindreo taminazy tao gne sehoa, da nofenoany menaky izy. 6Rehefa feno gne sehoa, da hoy izy tame zanany: ''Indeso sehoa hafa iaho.'' Da hoy gne zanany taminazy: ''Tsisy sehoa etsanaky.'' Da tsy niararaky etsanake menaky.7Da avy izy da nizaka tame lelahine Zagnahary. Hoy izy hoe: ''Mandihana, avidio gne menaky; efay gne trosanao, sady hivelomy am'ireo zanaky lelahy gn'ambiny.''8Indraik'andro i Elisa nandeha tagny Sonema agny amign'ipetrahane viavy raiky manan-danja; nasainy hiaraky hisakafo aminazy izy. Sady isaky gn'andalo izy, da hizanogny hisakafo ao. 9Hoy gne viavy tame vadiny: ''igny, mahatsapa iaho am'izao fa izy da lelahy masine Zagnahary gne mandalo isan'andro.10Aska itsika hagnano efitry kidy ambony ao ho an'i Elisa, da hisetsika fandria gn'agnatiny, latabatry, seza, sady jiro. Da raha avy amitsika etoa izy, da hijanogny etoa.'' 11Da avy gn'andro da nijanogny tao i Elisa, nipetraky tamign'efitry izy sady nangala aigny tao.12Hoy i Elisa tam'i Gehaza gne mpanompony: ''Angio io Sonemita io.'' Rehefa avy nangaiky anazy izy, da nitsanga t'agnatrehany teo izy. 13Da hoy i Elisa taminazy: ''zakay amy raviavy hoe: 'Afa negn'aminay aty enao am'izao olagny izao mba hiaro anay. Da ino gn'azo anigny ho anao? Afaky misolo vava anao agny ame mpanjaka ndre agny ame sefone maramila me iahay?''' Da namaly izy hoe: ''Miara-mipetrak'ame vahôkako iaho.''14Da hoy i Elisa: ''Ino zany gn'azotsika anigny aminazy?'' Da namaly i Gehaza hoe: ''Eka dato, tsy nanagn'anaky dato izy, sady efa mavozo gne vadiny.'' 15Da namaly i Elisa hoe: ''Angio izy.'' Rehefa avy nangaiky anazy izy, da nitsanga tame varangara. 16Hoy i Elisa: ''Ame fotoa akoiza, afaky heritao, da hitrotro zaza lelah enao.'' Da hoy raviavy: ''Aeky, rô tompoko sady lelahine Zagnahary, ka mavandy ame mpanomponao.''17Fa gne tao magnaraky evao raviavy da bevoky sady niteraky zaza lelahy, araky gne'efa nozakain'i Elisa taminazy. 18Rehefa niha-zakabe gne zaza, indraiky andro da nandeha niaraky tam'iabany, niaraky tame pila vary izy. 19Hoy izy tam'iabany: ''Gne lohako, gne lohako.'' Da hoy iabany tame mpanompony: ''Indeso agny am'iendriny izy.'' 20Rehefa nangala anazy sy ninday anazy tagny am'iendriny gne mpanompony, da nipetraky t'akamberany ilay zaza mandra-patoandrone gn'andro da maty avy teo.21Da nitsanga ilay viavy sady nagnapetraky gne zaza lelahy kidy tame fandriane lelahine Zagnahary, nagnidy gne varangara, sady nijotso. 22Nangaiky gne vadiny izy, sady nizaka hoe: ''Mba andefaso raiky ame mpanomponao sy raiky ame gn'apondranao rô iaho mba hafako mandeha malaky agny ame lelahine Zagnahary sady hipody avy teo.''23Da hoy gne vadiny: ''Nagnino enao ta ho aminazy gnagny androany?'' Tsy tsinam-bolana sy sabata izao.'' Da namaly izy hoe: ''Tsy magnino rô.'' 24Da niseny latsely gn'apondra raiky da hoy izy tame mpanompony hoe: ''Hampanihano malaky; da ka mandeha mora raha tsy mizaka iaho.''25Da nandeha raviavy da avy tao ame lelahine zagnahary tagny ame Tendrombohitry Karmela. Da rehefa nahatsijo anazy lavitry gne lelahine Zagnahary, da nizaka tam'i Gehazy mpanompony izy hoe: ''Igny, avy lahatagny igny gne viavy Sonemita. 26Miazakazà malaky mba hitsena anazy sy hizaka aminazy hoe: ''Milamigny evao enao me sy gne vadinao da gne zanakao koa?''' Da namaly izy hoe: ''Milamigny tsara ka.''27Rehefa avy tagny ame lelahine Zagnahary tagny ame tendrombohitry raviavy, da nofetsainy gne tombony. Nagnato takeky i Gehaza mba hangala anazy kanefa hoy gne lelahine Zagnahary hoe: ''Apetray izy, fa diso fagnategna tateraky, sady nafinin'i Yaveh taminah gn'olagny, da tsy nizaka ndre ino ndre ino taminah izy.28Da hoy raviavy: ''nangataky zanaky taminao me iaho, rô tompoko? Ts'efa nizaka me iaho hoe: ''Ka fità iaho'?'' 29Da hoy i Elisa tam'i Gehaza: ''Misikina, da indeso ame tagnanao gn'angirako. Mandihana an-dragnony agny. Rehefa mifakanendriky amign'olo enareo, da ka magnotsafy anzy, da raha misy olo magnotsafy anao, da ka mamaly anazy. Apatray ame tarene zaza io gn'angirako.''30Fa iendrine zaza nizaka hoe: ''Raha velo evakoa i Yaveh, sady raha velo koa enao, da tsy hiala anao iaho.'' Da nitsanga i Elisa sady nagnaraky enazy. 31Nandeha t'alohany nalaky i Gehaza sady nametraky gn'angira tame tarene zaza, nefa tsy nizaka ndre nahare ilay zaza. Da nipody tagny am'i Elisa i Gehazy sady nizaka taminazy hoe: ''Mbola tsy nifoha gne zaza.''32Rehefa avy t'andragno i Elisa, da mbola maty t'ambony fandria ilay zaza. 33Da niditry tao i Elisa sady nirindrim-barangara tao izy sy gne zaza da nivavaky tam'i Yaveh izy. 34Nitsanga izy sady natory t'akeke zaza; nametrake molotriny tame molotriny, gne masony tame masony, sady gne tagnany tame tagnany. Nagnatatry gne tegnany tam'ilay zaza izy, da lasa nafana gne vatan'ilay zaza lelahy kidy.35Da nitsanga i Elisa sady nivezivezy tamign'efitry da niakatry indraiky nagnatatry gne tegnany t'ambonine zaza lelahy kidy. Nivè impito gne zaza lelahy kidy sady nanokatre masony. 36Da nangaiky an'i Gehaza i Eliza sady nizaka hoe: ''Angio gne Sonemita!'' Ka da nangaiky anazy izy, sady rehefa avy tamign'efitry izy, da hoy i Elisa: ''Reso gne zanako.'' 37Da nampandongaliky gne tegnany tame tany tame tombony teo izy sady nandohaliky tame tany, da nangala gne zanany da lasa izy nivôky.38nipody tagny Gilgala indraiky i Elisa. Nisy sakavè tame tany, sady nipetraky t'aloany gne zanake mpamonany: ''Anio ame fata eo gne volagny zakabe da mahandrahoa sakafo hoane zanake mpamonany.'' 39Nidigny t'atonda tagny gne raiky tamindreo mba hihila traka. Nahita vôloboky izy da nandagno tagnatagna manga da hamenoany gne moloton-gotre gn'akajony. Notaptapahany sady nanindreo tame sakafo iza, nefa tsisy nahalala gne karazan'iza indreo.40Da novoary gne sakafo mba hoane lelahy iza. Afaky kelikely, raha t-ampisakafoana indreo, da nitoreo mafy nizaka hoe: ''ô lelahine Zagnahary, misy mahafaty am-bolagny ao!'' Da tsy afaky gn'ihina an'iza etsanaky indreo. 41Da hoy i Elisa hoe: ''Mindesa koba.'' Nanipy en'iza tame volagny izy sady nizaka hoe: ''Voaro hoane gn'olo iza, mba hihinandreo.'' Da tsy nisy raha mahafaty etsanaky tame volagny.''42Nisy lelahy raiky avy agny Bala-salisa negnagny ame lelahine Zagnahary sady ninday mofo vita tame vary hordea rôpolo vô nilay, sady pingom-bary vaovao t'agnatine kitapony. Hoy izy: ''Omeo en'iregny olo regny itiky mba hahafandreo mihina.'' 43Hoy gne mpanompo: akoignaia gn'agnomezako an'iza an'olo zato?'' Fa hoy i Elisa hoe: ''Omeo gn'olo itiky, mba hahafandreo mihina, satria i Yaveh nizaka hoe: ''Hihina indreo sady hagnapetrake gn'ambiny.'' 44Da nagnome an'iza andreo gne mpanompony; da nihina indreo, sady nisy t'ambela, arake nozakain'i Yaveh.
1Gne zanake mpaminany nizaka tam'i Elisa hoe: ''Gne toera hipetrahanay miarak'aminao da tena kidy lotry ho anay aby. 2Apetray rô iahay handeha ho agny Jordana, sady apetray gn'olo aby mba hanapaky hazo agny, sady apetray iahay hagnambôtry toera hahafanay mipetraky agny.'' Namaly i Elisa hoe: ''Afaky mandeha enareo.'' 3Gne raiky tamindreo nizaka hoe: ''Mandihana rô miaraky ame mpanomponao.'' Sady namaly Elisa hoe: ''Handeha iaho.''4Da nandeha niaraky tamindreo izy, sady rehefa avy tagny Jordana indreo, da nanomboky nanapak'hazo. 5Fa raha teo am-panapaha gnwe raiky, da nilatsaky t'agnatine rano gne lela-panak'hazo; nitoreo mafy izy sady nizaka hoe: ''loza, rô tompoko, nindramy igny!''6Da hoy gne lelahine Zagnahary hoe: ''Taia gne nilatsahany?'' Da natorone gn'olo tam'i Elisa gne toera. Da nanapak'hazo izy, sady nagnatsipy en'iza t'agnatine rano, da nampiepo gne vy. 7Hoy i Elisa hoe: ''Alay io.'' Da nagnatatre tagnany gn'olo sady nangala an'iza.8Da namorogn'ady tam'Israely gne mpanjakan'i Syria. Nikorà tame mpanompony izy, nzaka hoe: ''Agny ame toera ako'izao sy ako'izao gn'ipetrahako.'' 9Da gne lelahine Zagnahary gne nalefa tagny ame mpanjakan'Israely, nizaka hoe: ''Mitandrema tsy handalo am'iza toeraiza, fa hidigny agny gne Syriana.''10Nandefa hafatry tagny ame toera gne vozaka sy gne nampitandremane lelahine Zagnahary anazy gne mpanjakan'Israely. Tsy indraiky mandeha ndre indroy fotsiny, rehefa nandeha tagny gne mpanjaka, da mailo izy. 11Vignitry mafy tame fampitandremane mpanjakan'i Syria, da nangaiky gne mpanompony izy sady nizaka tamindreo hoe: ''Tsy hizaka aminah me enao hoe ia aminareo eo gne magnarake mpanjakan'Israely?''12Da hoy gne raiky tame mpanompony hoe: ''Aeky, rô mpanjaka, tompoko, fa i Elisa mpaminany ao Israely gne mizaka ame mpanjaka'Israely gne zaka nozakainao tame gn'efitragno fatorianao!'' 13Da namaly gne mpanjaka hoe: ''Mandihana sady tadiavo gne misy an'i Elisa mba hafako mandefa olo hanambotry anazy.'' Nozakay taminazy hoe: ''Igny, agny Dotana izy.''14Da nandefa sôvaly maro, sady maramila marobe tagny Dotana gne mpanjaka. Tame gn'ariva izy gn'avy sady nagnodidy gne tanà. 15Rehefa nifoha nandraigny da nijotso t'ivelany tagny gne mpanompone lelahine Zagahary, da igny, gne maramila marobe mipitiky ame sôvaly sy kelesy magnodidy gne tanà. Hoy gne mpanompo taminazy hoe: ''O ro tompoko! Ino gn'anitsika?'' 16Elisa namaly hoe: ''Ka malia, gne miaraky amitsika da mbola evakoa nohone miaraka amindreo.''17Nivavaky i Elisa sady nizaka hoe: ''Zagnahary ô, mitaraigny Aminao gne mba hanokafanao gne masony mba hahita iaho.'' Da nosokafan'i Yaveh gne masone mpanompo, da nahita izy. Igny, gne tendrombohitry da feno sôvaly sy kalesy afo nangnodidy an'i Elisa! 18Rehefa nidigny tao aminazy gne Syriana, da nivavaky tam'i Yaveh i Elisa sady nizaka hoe: ''Mangataky aminao iaho, anio goa ireo olo 'reo, arake nangatahan'i Elisa. 19Da hoy i Elisa tame Syriana hoe: ''Tsy io gne lala, ndre gne tanà. Aray iaho, fa hindesiko agny ame gn'olo izay tadiavinareo enareo.'' Avy teo da nindesiny ho agny Samaria indreo.20Da rehefa avy tagny Samaria indreo, da hoy i Elisa hoe: ''Zagnahary ô, sokafo gne mason'ireo olo ireo mba hafandreo mahita.'' Da nosokafan'i Yaveh gne masondreo da nahita indreo, sady io, t'ategnategnane tanàn'i Samaria indreo. 21Hoy gne mpanjakan'Israely tam'i Elisa, rehefa nahita andreo izy: ''Eh abako, tokony hovoniko me indreo? Tokony hovoniko me indreo?''22Elisa namaly hoe: ''Oka tsy hamono andreo enao. Hovoninao me gne noresenao tame gn'antsy sy gn'angira? Mametraha mofo sy rano eo alohandreo, mba hihina sy inindrano indreo, sady mandihana agny ame tompondreo.'' 23Da nagnomagny sakafo maro ho andreo gne mpanjaka, da rehefa nihina sy ninindrano indreo, da nipody tagny ame tompony. Tsy nipody tagny ame tanin'Israely nandritry gne foto ela gne tarike maramila Syriana.24Fotoa fohy t'afaran'iza da namory gne maramilany i Beni-hadada sady nanafiky an'i Samaria sy nagnano ferano anazy. 25Da nisy sakavè zakabe tagny Samaria. Io, nagnano fehirano indreo mandra-pahalafo ho sekely volafotsy valo polo gne lohan'apondra raiky, sady gne taine voromamanga apahefatre kaba ho sekely volafotsy dimy. 26Raha nandalo tame vohitry gne mpanjakan'Israely, da nisy viavy nikoritsaky taminazy, nizaka hoe: ''Vonjeo, ro mpanjaka, tompoko.''27Hoy izy: ''Raha tsy manampy anao i Yaveh, da akoignaia gn'afako magnampy anao? Misy raha me avy ame famoloana sy gne famiheza vôloboky?'' 28Da nagnatoy gne mpanjaka hoe: ''Ino gn'olagny?'' Da namaly izy hoe: ''Hoy ity viavy ity taminah: 'Omeo gne zanakao mba hihinanatsika anazy androany, sady hihina gne zanako itsika omaray.''' 29Da nandivezinay gne zanako sady nohaninay, da nizaka taminazy iaho tamign'andro magnaraky hoe: ''Omeo gne zanakao mba hihinanatsika anazy, kanefa efa nafininy gne zanany.''30Da rehefa nahare gne zakan-draviavy gne mpanjaka, da nandriatry gn'akajony izy (sady nandalo tame vihitry izy), da nagnety sady nahita fa nana agnatine lamba fisaona izy, t'akodiny tegny. 31Da hoy izy hoe: ''Aoky ane gne Zagnahary hagnano iza aminah, mihôtry en'iza aza, raha mipetraky ao amigne lohan'i Elisa zanak'i Safata androany.''32Fa i Elisa nidoboky t'andragnony tao, sady gne lohandohane gn'olo raiky t'alohane mpanjaka, nefa rehefa avy tagny am'i Elisa gne mpinday hafatry, da hoy izy tame lohandohane hoe: ''Io akôry gne fomba nandefasa an'ity zanaky mpamono olo ity hanapaky gne lohako? Io, rehefa avy gne mpinday hafatry, da hidio gne varangara, sady tazomo gne ihidy mba tsy hidirany gne varangara. Tsy gne feone tombony me iza ao afara ao iza? 33Raha mbola nanohy gne resaky tamindreo izy, da io, nidigny taminazy teo gne mpinday hafatry. Hoy gne mpanjaka hoe: ''Io, fa avy am'i Yaveh izao loza izao. Nagnino iaho gne tokony mbola handigny an'i Yaveh evakoa?''
1Hoy Elisa hoe: ''Tenomo gne zakan'i Yaveh.'' Ako'izao gne vozakan'i Yaveh: 'Omaray akoe lera androany da ho sekely raiky gne vidine koba tsara disa fenone fagnàrana, sady ho sekely raiky gne vary hordea roy kapôky, am-bavahadin'i Samaria eo.''' 2Da namaly gne lelahine Zagnahary gne sefone mpiamby raiky gne nagnarikitre mpanjaka gne tagnany, sady nizaka hoe: ''Io, ndre da hagnano varangarakely ame lagnitry egny i Yaveh, hitranga me iza raha iza?'' Da namaly Elisa hoe: ''Io, ahita gne fitrangan'iza gne masonareo, kanefa tsy ihina an'iza enareo.''3Da nisy efa-dahy boka t'ivelane vavahadine tanà teo. Nifampiresaky indreo hoe: ''Nagnino itsiky gne tokony mijànogny etoa mandra-pahafatitsika? Raha hizaka itsika hoe: tokony hiditry ao ame tanà itsika, kanefa misy sakavè an-tanà ao, da ho faty agny itsika. 4Nefa raha hijànogny etoa itsika da mbola ho faty evakoa. Da aska, itsika ho agny ame maramilane Syriana. Raha tsy mamono atsika indreo, da ho velo itsika, fa raha mamono atsika indreo, da ho faty itsika.5Da nandeha indreo gn'ariva mba egnagny ame tobine Syriana; rehefa avy tagny ame faritry t'ambadike tanà indreo, da tsy nisy olo tao. 6Fa efa namparignesine Tompo gne feone kalesy, sy gne feone sôvaly—gne feone maramila marobe hafa, gne maramilane Syriana, sady nifampiresaky indreo hoe: ''Gne mpanjakan'Israely da efa nagnakarama gne mpanjakane Hetita sy gne Egyptiana mba avy hanoitr'etsika.7Da nandeha sy nilefa gne maramila gn'aligny indreo; napetrandreo gn'etany, gne sôvaly, gn'apondra, da ako'iza evakoa gne tanà, sady nilefa nagnavotry gn'ainy indreo. 8Rehefa avy tame faritryivelane tanà ireo lelahy boka 'reo, da niditra t'agnatine tragno raiky indreo da nihina sy ninindrano, sady nangala volafotsy sy volamena da akajo, da lasa indreo nagnafiny an'ireo. Nipody indreo da niditry t'agnatine tragno hafa da nandroba gne tao evakoa indreo, da lasa nagnafiny an'iza koa indreo.9Avy teo da nifampiresaky indreo hoe: ''Tsy magnano gne marigny itsika. Androne filazatsara izao andro 'zao, nefa mità fangina momba an'iza itsika. Raha mandigny gn'azavane gn'andro itsika, da hisy fagnasazia amitsika. Am'iza da, aska itsika andeha sady hizaka gne fianakaviane mpanjaka.'' 10Nandeha indreo da nangaiky gne mpiamby vavahady tao ame tanà. Hoy izy tamindreo: ''Negnagny tame tobine Syriana iahay, nefa tsy nisy olo tao, tsy nisy feon'olo, fa gne sôvaly sy gn'apondra mifehy gn'ao, sady gne tragno nipetrahany.'' 11Da nitoreo mafy gne vaovaone mpiamby vavahady, avy teo da nozakay tame fianakaviane mpanjaka iza.12Da nifoha gne mpanjaka gn'aligny sady nizaka tame mpamonany hoe: ''Am'izao da ambarako anareo gne nanine Syriana tamitsika. Fatandreo fa morarè itsika, da niala gne tanà indreo mba hisitriky agny an-tonda. Hoy indreo: ''Rehefa mivôky gne tanà indreo, da ho samborin-tsika velo, da hidiratsika gne tanà.''' 13Namaly gne raiky tame mpanompone mpanjaka sady nizaka hoe: ''Mitaraigny aminao iaho, apetray hangala dimy ame sôvaly tavela gne lelahy, da gne tavela tao ame tanà iza. Indreo da akoy gn'ambine vahôkin'Israely aby gne tavela—fa efa maty gn'akamaroany am'izao; aôky istika handefa andreo da hahita.''14Da nangala kalesy roy niaraky tame sôvaly indreo, da nirahane anjaka nagnarake Syriana indreo, nizaka hoe: ''mandihana da iteo.'' 15Nandeha nagnaraky andreo hatragny Jordana indreo, da feno raisiky sy fitaova narian'i Syriana tamindreo nikoropaky t'an-dàla aby. Da nipody gne mpinday hafatry sady nizaka tame mpanjaka.16Nilefa gne vahôky sady nandroba gne tanàne Syriana. Da navidy ho sekely raiky gne koba tsara disa fenone fagnarana, sady vary hordea roy kapôky da sekely raiky, arakign'efa nambarane zakan'i Yaveh. 17Nobekognine mpanjaka gne sefone mpiamby gne t'akeky anazy mba hiamby gne vavahady, da vôhitsakitsake vahôky tame vavahady teo izy. Da maty izy akoigne nambarane lelahin'Andremanitry, gn'efa nizaka rehefa nidigny taminazy teo gne mpanjaka.18Ka niboda iza arakign'efa nozakaine lelahin'Andremanitry tame mpanjaka hoe: ''Am'izao fotoa izao eo am-bavavahadine Samaria, da azo vidÿ ho sekely raiky gne vary hordea roy kapôky, da gne koba tsara disa fagnarana raiky da sekely raiky.'' 19Namaly ane lelahin'Andremanitry iza sefone mpiamby 'za sady nizaka hoe: ''Io, ndre da hagnano varangara kely an-dagnitry egny aza i Yaveh, da hitranga me iza raha iza? Efa nizaka i Elisa hoe: ''Io, hahita gne fitrangan'iza ame masonareo enareo, kanefa tsy hihina an'iza enareo. 20Akoiza evakoa gne niboda taminazy, satria vôhitsakitsake vahôky tame vavahady teo izy, da maty.
1Da i Elisa nikorà tamin-draviavy iendrine zaza novelominy. Hoy izy taminazy: ''Mitsangàna, sady mandihana miarak'ame fianakavianao, da mipetraha ndre aia ndre aia azonao hipetraha agny ame tany hafa, satria Yaveh efa nangaiky sakavè ho avy am'ity tany ity mandritre fito tao.'' 2Ka da nitsanga raviavy sady nagneky gne zakan'ilay lelahin'Andriamanitry. Nandeha niaraka tame fianakaviany izy sady nipetraky tagny ame tanine Filistina fito tao.3Ary gne farane fito tao da nipody avy tagny ame tanine Filistina raviavy, da negnagny ame mpanjaka izy mba hiangavy ame tragnony sy gne momba gne taniny. 4Da gne mpanjaka nikorà tam'i Gehazy mpanompone lelahin'Andriamanitry, nizaka hoe: ''Mba zakay anah aby rô gne raha zakabe nanin'i Elisa.''5Da raha nizaka tame mpanjaka gne fomba mameloman'i Elisa gne zaza efa izy maty, da avy gne viavy iendrine zaza novelominy mba hiangavy gne mpanjaka gn'ame tragnony sy gne taniny. Hoy i Gehazy: ''O mpanjaka, tompoko, ity gne viavy, sady ity gne zanany lelahy, gne novelomin'i Elisa.'' 6Rehefa nagnotany an-draviavy momba gne zanany gne mpanjaka, da nazavainy taminazy iza. Da nandidy mana-pahefa raiky ho anazy gne mpanjaka, nizaka hoe: ''Apodiano aminazy gne raha anazy sady gne vokatre taniny aby atrame gn'andro nelany gne tany da hatram'izao.''7Negnagny Damaskosy tagny ame nahararian'i Beni-hadada mpanjakan'i Syria i Elisa. Nozakay gne mpanjaka hoe: ''Avy etoa gne lelahin'Andremanitry.'' 8Hoy gne mpanjaka tam'i Hazaela: ''Mindesa fagnomeza an-tagnanao egny sady mandihana mitsena gne lelahin'Andremanitry, da magnotania an'i Yaveh amign'alalany, magnambara hoe: ''Ho sitragny am'izao arety izao evao me iaho?''' 9Da nandeha nitsena anazy i Hazaela sady ninday fagnomeza tame raha tsara isa-karazany avy tao Damaskosy, nindesy gne rameva efapolo. Da avy i Hazaela sady nitsanga t'alohan'i Elisa teo sady nizaka hoe: ''Gne zanakao lelahy Beni-hadada mpanjakan'i Syria gne nagniraky anah aty aminao, nizaka hoe: 'Ho sitragny am'izao arety izao avao me iaho?''10Hoy i Elisa taminazy: ''Mandihana, izakay i Beni-hadada hoe: 'Ho sitragny dato enao,' nefa i Yaveh efa nampiseho anah fa ho faty dato izy.'' 11Da nagneritry an'i Hazaela mandra-pahamegnatry anazy i Elisa, da notagny gne lelahin'Andremanitry. 12Nagnotany i Hazaela hoe: ''Nagnino enao gne tomagny, rô tompoko?'' Namaly izy hoe: ''Satria fatatrao gne ratsy aninao ame vahôkan'Israely. Hagnoro gne ferova mafindreo enao, sady hamono gne kirao lahindreo amign'antsy, handrasarasa gne zaza madinik'indreo enao, sady hanataky gne viavy bevoky amindreo ao.''13Hazaela namaly hoe: ''Ia me ity mpanomponao ity, gn'agnano an'iza raha zakabe iza izy? Amboa fotsiny evao izy.'' Namaly i Elisa hoe: ''Efa nambaran'i Yaveh anah fa ho lasa mpanjakan'i Syria enao.'' 14Da niala an'i Elisa i Hazaela sady negnany ame tompony, gne nizaka taminazy hoe: ''Ino gne nozakain'i Elisa taminao?'' Namaly izy hoe: ''Nizaka taminah izy fa ho sitragny evakoa enao.'' 15Da gn'androany da nangala bodofotsy i Hazaela da nanetry an'iza t'agnaty rano, sady namelatry an'iza tame taren'i Beni-hadada mba ho faty izy. Da lasa mpanjaka nandimby gne toera i Hazaela.16Tame tao faha dimy nanjakan'i Jorama zanak'i Ahaba lelahy, mpanjakan'Israely, da nanomboky nanjaka i Jehorama. Izy da zanak'i Josafata lelahy mpanjakan'i Joda. 17Jehorama da roy amby telopolo tao gne nanomboky nanjaka, sady nanjaka nandrite valo tao ta Jerosalema izy.18Nandeha tame lalane mpanjakan'Israely i Johorama, akoigne nanine fianakavian'i Ahaba; satria nana gne zanaky viavin'i Ahaba ho vadiny izy, da nagnano gne ratsy t'amason'i Yaveh izy. 19Ndre da iza aza, nohony gn'am'i Davida mpanompony, da tsy tahandrava an'i Joda i Yaveh, satria nizaka taminazy Izy fa hagnome anazy taranaky mandrakizay.20Tame gn'andron'i Johorama, da nivory hanoitry gne tanàn'i Joda i Edoma, da magnapetraky mpanjaka ho ane tegnany indreo. 21Avy teo da nitsaky niaraky tame pamehy sy gne kalesiny aby i Johorama. Da nitsanga tamign'ariva izy da nanafiky sady namely gn'Edomita, gne nagnodidy enazy sy gne pamehy gne kalesy. Da nibrifitry t'andragnondreo gne maramilan'i Jehorama.22Da nisavorivory hanohitre fitsipik'i Joda hatram'izao i Edoma. Nisavorivory evakoa i Libna tamin'io fotoa io.23 Da gn'ame raharaha hafa mikasiky en'i Jerohama, gne naniny aby, ts'efa misoratr'ame bokine tantarane mpanjakan'i Joda me iza? 24Maty da nijano niaraky tame razany i Johorama, da nalevy niaraky tame razany t'ame tanàn'i Davida. Da i Ahazia zanany lelahy gn'avy mpanjaka nandimby toerany.25Tame tao faha roy amby folo gne nanjakan'i Jorama zanak'i Ahaba lelahy, mpanjakan'Israely, gne nanomboky nanjaka i Ahazia, zanak'i Jehorama lelahy, mpanjakan'i Joda. 26Roy amby rôpolo tao i Ahazia gne nanomboky nanjaka; nanjaka nandritre gn'eri-tao ta Jerosalema izy. Gn'agnaran'iendriny da Atalia; izy da zanaky viavin'i Omry, mpanjakan'Israely. 27Da nandeha tame lalane fianakavian'i Ahaba i Ahazia; nagnano ratsy t'amason'i Yaveh izy, akoigne nanine fianakavian'i Ahaba, satria i Ahazia da vinato lahy tame terak'i Ahaba.28Nandeha niaraky tam'i Jprama zanaky lelahin'i Ahaba i Ahazia, mba hiady am'i Hazaela, mpanjakan'i Syria, ao Ramota-gileada. Nandratry an'i Jorama gne Syriana.29 Nipody i Jorama mpanjaka mba hotsaboy agny Jezirela ame ratry nanine Syriana taminazy tao Rama, rehefa niady tam'i Hazaela mpanjaka izy. Da i Ahazia zanaky lelahin'i Johorama, mpanjakan'i Joda, nidigny ho agny Jezirela mba hagnety an'i Jorama zanaky lelahin'i Ahaba, satria naratry i Jorama.
1Nangaiky gne raiky tame zanake mpaminany i Elisa mpamonany da nizaka taminazy hoe: ''Misikina ho aagny da, reso an-tagnanao eo ity tavoangy kidy misy menaky ity da mandihana agny Ramota-gileada. 2Rehefa avy enao, da tadiavo i Jeho zanak'i Josafata lelahy zanak'i Nemsy, da midira sady ampitsangano ame namany eo da indeso agn'aty efitry raiky izy. 3Da alay gne tavoangy misy menaky da ahidigno ame lohany sady izakay hoe: 'Izao gne zakain'i Yaveh: ''Efa nosorako ho mpanjaka eo am'Israely enao.''' Avy teo da sokafo gne varangara, da milefa; da ka mizokozoko gne mandeha.''4Da nandeha tagny Ramota-gileada gne kirao lahy, mpamonany. 5Igny avy igny izy, da igny, nidoboky gne kapitenine maramila. Da hoy gne mpamonany tanora: ''ninday hafatry ho anao iaho, rô kapiteny.'' Da namaly Jeho hoe: ''Ho an'ia aminay iza?'' Gne mpamonany tanora namaly hoe: ''Ho anao rô kapiteny.'' 6Da nitsangana i Jeho sady niditry tagny an-dragno, da nagnarake mpamonany tanora t'ambonine lohany gne menaky da hoy izy tam'i Jeho: ''Akoy zao gne nozakain'i Yaveh, gn'Andremanitr'Israely: 'Efa nagnositry anao ho mpanjaka tamign'olon'i Yaveh, tam'Israely Iaho.7Tsy maintsy voninao gne fianakavian'i Ahaba tomponao, mba hamaliako faty gne ràne mpamonany mpanompoko, sy gne ràne mpanompon'i Yaveh aby, gne novonine tanan'i Jezebala. 8Fa ho ripaky gne fianakavin'i Ahaba aby, da ho foanako eo am'i Ahaba gne zaza lelahiny aby, ndre gn'andevo iza ndre gn'olo afaky.9Ho aniko akoe fianakavian'i Jeroboama zanak'i Nebata lelahy sy akoe fianakavian'i Basa zanak'i Ahia lelahy gne fianakavian'i Ahaba. 10Gn'amboa gne hihina an'i Jezebela ao Jezirela, da tsy hisy olo handevy anazy.''' Da nosokafane mpamonany gne varangara da nandotsitry izy.11Da i Jeho nijotso tame mpanompone tompony, da nisy raiky nizaka taminazy hoe: ''Mandeha tsara avao me gne raha aby? Nagnino igny olo marary say igny negn'aminao ao? Namaly endreo i Jeho hoe: ''Fatanareo igny olo igny da fatanareo koa gne raha zakainy.'' 12Hoy indreo hoe: ''Vandy iza. Zakay enay.'' Namaly Jeho hoe: ''Akoiza sy akoizany evakoa gne nozakainy taminah, da hoy evakoa izy hoe: ''Ako'izao gne zakain'i Yaveh: Efa nagnositry anao ho mpanjaka tam'Israely Iaho.''' 13Sady da samby nangala gn'akajony nalaky t'ivelany indreo da nametraky en'iza t'ambanin'i Joho tame farany ambone tohatry tegny. Notsofindreo gn'asody da hoy indreo hoe: ''Mpanjaka i Jeho.''14Iza gne fomba nanginan'i Jeho zanak'i Josafata lelahy zanak'i Nimsy hanoitry an'i Jorama. Da Jorama mpanjaka efa niaro an'i Ramota-gileada, izy sy Israely aby, nohon'i Hazaela mpanjakan'i Syria, 15kanefa nipody tagny Jezirela i Jorama mpanjaka mba ho sitragny ame ratry nanine Syriana anazy, rehefa niady tam'i Hazaela mpanjakan'i Syria izy. Hoy i Jeho tame mpanompon'i Jorama: ''raha izany gn'hevitrareo, da k'apetraky hisy olo hilefa sady hivôky gne tanà, mba hizaka an'izao vaovao izao agny Jezirela.''16 Da nipitiky kalesy negnagny Jeziela i Jeho; satria nangala nangala harerà tagny i Jorama. Da nandeha nidigny mba hiaogny am'i Jorama i Ahazia mpanjakan'i Joda.17Nitsanga tame tilikambon'i Jezirela gny pitily, da hitany nagnato avy lavitry be gne naman'i Jeho; hoy izy: ''mahatsijo andian'olo magnato iaho.'' Jorama nizaka hoe: ''mangalà mpinday sôvaly raiky, da alefaso mba hitsena andreo izy; izakay izy mba hizaka hoe: 'Hiàva aminay me gn'evianareo io?''' 18Da nalefa mba hitsena anazy gne mpinday sôvaly; da hoy izy: izao gne zakaine mpanjaka: 'Hiàva aminay me gn'evianareo io?''' Da hoy i Jeho: ''Mpihino me enareo sy gne fiavana? Mihodigna da magnaraha anah.'' Da nizaka tame mpanjaka gne pitily hoe: ''Nifakanendriky tamindreo gne pinday hafatry, kanefa tsy nipody izy.''19Da nandefa pinday sôvaly raiky faha roy izy, gne nandeha tamindreo tegny da nizaka hoe: ''Ako'izao gne zakaine mpanjaka: 'Hiàva aminay me enao?''' Namaly Jeho hoe: ''Pihino me enao sy gne fihavana? Mivilia da magnaraha anah.'' 20Nitatitry indraiky gne pitily hoe: ''nifakanendriky tamindreo izy, kanefa tsy nipody. Fa gne lala nindesa kalesy gne lala nandihanan'i Jeho zanak'i Nismy lelahy; da nirifitry mafy izy.''21Da hoy i Jorama: ''Homagno gne kelesiko.'' Da nomagnindreo gne kalesiny, da samby nipitiky tame kalesy aby, i Jorama mpanjakan'Israely sy i Ahazia mpanjakan'i Joda, mba hifankahita am'i Jeho. Hitandreo tame tanàn'i Nabota gne Jezireta izy. 22Rehefa hitan'i Jorama i Jeho, da hoy izy: ''Avy mba hiava me enareo, rô Jeho?'' Izy namaly hoe: ''Ino gne fihavana eo raha mbola maro be koa gne fanompoa sampy ame gn'asa fivarota-tegna sy gn'aody ratsin'i Jezebela reninao?''23Da naelikin'i Jorama gne kalesiny da nitoky izy sady nizaka tam'i Ahaza hoe: ''Misy fitaky, rô Ahazia.'' 24Sady da nezagnin'i Jeho tame gn'eriny aby gne tsipikiny da notifiriny gne t'agnelagnelane sorok'i Jorama; nitsatoky tame fony gne zana-tsipiky, da latsaky avy tame kalesiny izy.25Da hoy i Jeho tam'i Bidkara kapiteny: ''Alay izy sady hatoray agny ame sahan'i Nabota gne Jezirelita. Tadidio tam'ia sy enao niaraky ninday kelesy nagnaraky an'i Ahaba rainy, da nametraky en'iza faminania 'za hameleza anazy i Yaveh: 26Yaveh nagnambara hoe—'Nahita gne ràn'i Nabota sy gne ràne zanany lelahy Iaho omaly—da hapanoitry anao en'iza eto am'ity tonda itiky evakoa Iaho—hoy i Yaveh. Da am'izao, alay izy sady atoray eo ame tonda io, arake zakan'i Yaveh.''27Rehefa nahita iza i Ahazia mpanjakan'i Joda, da nilefa niakatry tagny ame lala megnà Beta Hagana izy. Fa i Jeho nagnaraky anazy, sady nizaka hoe: ''Vonoy eo ame kelesy evakoa izy,'' da notifirindreo tame fekara ho agny Gora, gn'akeken'i Jibleama izy. Nitsoky tagny Megido i Ahazia ka da maty tagny. 28Nindesine mpanompony tame kalesy negnagny Jerosalema gne fatiny sady naleviny tao ame kobory niaraky tame razambeny tao ame tanàn'i Davida izy.29Da tame faha raiky amby folo tao gne nanjakan'i Jorama zanak'i Ahaba lelahy gne nanomboky nanjaka tam'i Joda i Ahazia.30Rehefa avy tao Jezirela i Jeho, da ren'i Jezebela iza, sady nandoko gne masony, sy nibango gne volony da nitsijo t'ambarangara kely izy. 31Raha niditry gne vavahady i Jeho, da hoy izy taminazy hoe: ''Avy mba hiava me enao, rô Zimry, mpamono gne tomponao?'' 32Nendrandra zaka am-barangara kely i Jeho da hoy izy: ''Ia gne magnarak'aminah?'' Avy teo da nisy t'andapa roy na telo nitangiriky.33Ka da hoy i Jeho: ''Alatsay izy.'' Da nalatsakindreo i Jezebela, da gne ràne sasany nipitsipitsiky tame rindry tegny sy gne sôvaly, da nokosokosehin'i Jeho tame tombony izy. 34Rehefa niditry tame lapa tao i Jeho, da nihina sy ninindrano izy. Da hoy izy: ''Ito am'izay gne viavy vohozogny sady halevegno izy, fa zanake mpanjaka viavy izy.35Nandeha nandevy anazy indreo, kanefa tsy nahita afatse karandoha, sy tomboky, da gne lelatagnany indreo. 36Da nipody indreo sady nizaka tam'i Jeho. Hoy izy: ''ako'izao gne zakan'i Yaveh gne nozakainy tamign'alalan' Elia gne Tisibita mpanompony, magnambara hoe: 'ao ame tany ao i Jezirela gn'ihinanany gn'amboa gne nofotr'i Jezebela, 37sady gne fatin'i Jezebela da ho akoe zeziky ame velarane tany eo i Jezirela, mba tsy hisy olo afaky hizaka hoe: ''Jezebela io.'''''
1Da nagnano taranaky fitopolo tagny SAmaria i Ahaba. Nanoratry taratasy i Jeho da nangefa an'iza tagny Samaria, ho ane mpanjakan'i Jezirela, t'agnatin'iza gne loholo sy gne piamby gne taranak'i Ahaba, nizaka hoe: 2''Aminareo eo gne taranake tomponareo, da mana kalesy sy sovaly da tanà voaro sy ankazo ferova evakoa enareo. Noho iza, raha vô avy aminareo eo ity taratasy ity, 3da safidio gne tsara sy mety indrindra ame tarake tomponareo da apetray ho ame seza fiandrianan'iabany izy, sady media ho ane fianakaviane mpanjaka tomponao.''4Fa nikoropaky indreo da nifampizaka hoe: ''Ndre, mpanjaka roy me tsy nahazano t'agnatrehan'i Jeho. Da akory evakoa mesa gn'ahazanognatsika?'' 5Avy teo gne lelahy mendraikitre lapa, sy gne lelahy nanapaky gne tanà, sy gne loholo evakoa, sady gne niteza gne zaza, da nandefa zaka nipody tagny am'i Jeho, nizaka he: ''Mpanomponao iahay. Haninay aby gn'adidianao anay, ts'ahametraky olo ho mpanjaka iahay. Anio gne fatatrao fa mety amasonao eo.''6Da nanoratry taratasy fagn'indroiny ho andreo i Jeho, magnambara hoe: ''Raha magnaraky aminah enao, sady raha miteno gne feoko enareo, da tsy maintsy tapahanareo gne lohane lelahy taranake tomponareo, da mandihana aty aminah aty Jezirela rahampitso ame lera ako'izao.'' Am'izao gne taranake mpanjaka, miisa fito polo, da niaraky tame lelahy mana gne lanjany tao ame tanà, gne niteza andreo. 7Da rehefa avy tamindreo teo gne taratasy, da nalainy gne zanake mpanjaka lelahy da novoniny, olo fito polo, naniny t'agnaty sogno gne lohandreo, sady nalefany tagny am'i Jeho tagny Jezirela indreo.8Nisy mpinday hafatry avy teo am'i Jeho, nizaka hoe: ''Efa ninday gne lohane zanake mpanjaka lelahy indreo.'' Da hoy izy: ''Anio mizara roy ho eo ame vavahady fidira indreo ka hatrame mandraigny.'' 9Igny nandraigny igny i Joho da nitsanga nandeha nivôky, sady nizaka tame vahôky aby hoe: ''Tsy mana-tsigny enareo. Io, nalahelo tame tompoko iaho da namono anazy, fa ia gne namono an'itoa aby?10Am'izao da tokony ho tsapanareo avakoa fa tsy nisy tame zakan'i Yaveh, gne zaka nozakainy mikasike fianakavian'i Ahaba, hiraraky ame tany, satria Yaveh gne nagnano arake nozakainy tamign'alalan'i Elia mpanompony.'' 11Da novonin'i Jeho gne sisa tambela tame fianakavian'i Ahaba tagny Jezirela, sy gne lelahy manan-dazany, gne namany akeky, gne mpagnano sorony, mandra-pahalany taranaky andreo.12Avy teo i Jeho nitsanga da nandeha; negnagny Samaria izy. Da raha avy tao Bet-ekedane mpiandry ondry izy, 13da nifakanendriky tame rahalan'i Ahazia mpanjakan'i Joda. Hoy i Jeho tamindreo: ''Ia enareo?'' Namaly indreo hoe: ''Rahalan'i Ahazia iahay, mba hidigny hiarahaba gne zanake mpanjaka sy gne zanak'i Jezebela mpanjaka viavy iahay.'' 14Hoy i Jeho tame lelahiny: ''Anio sambo-belo indreo.'' Da nanindreo sambo-belo indreo sady navoniny tagny ame lavaky fafandagnon-dranon'i Bet-ekda, gne roy amby efapolo lahy. Tsy nisy napetraky ho velo indreo.15Rehefa niala teo i Jeho, da nifakanendriky tam'i Jonadaba zanak'i Rekaba lelahy sady nagnato anazy. Nagnotsafy enazy i Jeho da nizaka taminazy hoe: ''Magnotsafy aminah me gne fonao, akoy gne foko magnotsafy enao io?'' Namaly i Jonadaba hoe: ''Ako'izany evakoa.'' Hoy i Jeho: ''Raha ako'iza gn'izy, da atoloro anah gne tagnanao.'' Da natolotr'i Janadaba anazy gne tagnany, da napekarin'i Jeho niaraky taminazy tame kalesy i Jonadaba. 16Hoy i Jeho: ''Magnaraha anah da iteo eky me gne fazotoako ho an'i Yaveh.'' Da niara-nandeha taminazy tame kalesy i Jonadaba. 17Raha avy tagny Samaria izy, da novonin'i Jeho aby gne taranak'i Ahaba gne sisa tambela tagny Samaria, mandra-pandringany gne fianakavian'i Ahaba mpanjaka, araky gn'efa nozakay tamindreo t'aloha tame gn'alalane zakan'i Yaveh, gne nozakainy tam'i Elia.18Da nampivory gn'olo aby niaraky tam'i Jeho da nizaka tamindreo hoe: ''Ahaba da nanompo an'i Bala kidikidy evakoa, fa i Jeho koa hanompo anazy fatratry. 19Am'izao da angio ho aminah etoa gne pisikidin'i Bala aby, sy gne mpanompo anazy aby, sady gne mpagnano pisorogny aby. Ôka tsisy tambela, satria mana rakitry zakabe hatolotry ho an'i Bala iaho. Gne tsy avy aby da tsy ho velo.'' Fa nanin'i Jeho iza mba ho famita, tame fikasany hamono gne mpanompon'i Bala. 20Hoy i Jeho: ''magnatokàna fotoa raiky mba hagnanoa fivoria ho an'i Bala.'' Da namboarindreo iza.21Da nagniraky nagnerany an'Israely aby sy gne mpanompo an'i Bala aby i Jeho, mba tsy hisy olo tavela da tsy ho avy. Avy tao ame tempolin'i Bala indreo, da feno ndre taia ndre taia. 22Nizaka tame lelahy mpitahiry gn'akajone mpagnano sorogny i Jeho hoe: ''Mamoaha akajo ho ane mpisoron'i Bala aby.'' Da namôky akajo ho andreo ilay lelahy.23Da lasa niaraky tam'i Jonadaba zanaki Rekaba lelahy ho an-dragnon'i Bala i Jeho, da hoy izy tame mpanompon'i Bala: ''Tangirio, da anio azo antoky fa tsisy avy ame mpanompon'i Yaveh gne raiky aminareo etoa, fa mpanompon'i Bala evakoa.'' 24Da nandeha nanolotry sorogny sy rakitry dora indreo. Ary da nifidy lelahy valo polo hitsanga ivelany eo i Jeho, da hoy izy tamindreo: ''Raha misy tafatsoky am'ireo lelahy gn'indesiko eo an-tagnanareo, ndre ia ndre ia magnavela izany olo iza hitsôko, da ho vonigny izy ho solone tafatsôky.''25Igny vitan'i Jeho igny gne fanolora gne rakitry dora, da hoy izy tame mpiamby sy gne kapiteny: ''Midira da vonoy indreo. K'avela hisy tafatsôky.'' 26Da novonindreo tame lelan'antsy, sady gne mpiamby sy gne kapiteny nagnatsipy andreo t'ivelany tagny da niditry t'agnatine gn'efitre tragnon'i Bala. Notaritindreo nivôky gn'andry vato t'an-dragnon'i Bala tao, da norohandreo iza. 27Avy teo da narodandreo gn'andrin'i Bala, da naravàny gne tragnon'i Bala sady naniny tragno fangiria, da hatram'izao iza. 28Da ako'iza gne nandravan'i Jeho gne fanopoa an'i Bala tagny Israely.29Kanefa tsy niala gne fahotan'i Jeroboana zanak'i Nebata lelahy i Jeho, gne napagnotàny gn'Israely_gne fanopoa gn'aomby lahy kidy volamena tagny Betela sy Dana. 30Da hoy i Yaveh tam'i Jeho hoe: ''Satria enao nagnano gne tsara tame fagnatateraha gne marigny t'amasoko, da nagnano gne fianakavian'i Ahaba arake t'am-poko tatoa aby, gne taranakao da hipetraky ame seza fiandriandrianan'Israely eo hatrame taranaky faha efatry.'' 31Fa tsy nirara gn'andeha ame lalàn'i Yaveh, gn'Andremanitr'Israely, tame fony manotolo i Jeho. Tsy niala tame fahotan'i Jerobona izy, gne napanoàny gn'Israely.32Tam'ireo andro ireo i Yaveh gne nanomboky nagnapetraky gne faritr'Israely, sady i Hazaela nandresy gn'Israelita tame sisi-tanin'Israly tegny, 33hatragny Jordana gne ho megnatsignana, gne tanin'i Gileada aby, gne Gadita, sady gne Robenita, sy gne Manasita, avy agny Aroera, gn'avy eo ame morondranon'i Arnona, hatragny Gileada da hatragny Basana.34Raha gn'ame raharaha hafa mahakasiky an'i Jeho, sy gne naniny aby, sy gne fahefany aby, ts'efa vôsoratry ao ame bokine tantarane mpanjakan'Israely me iza? 35Maty niaraky tame razambeny i Jeho, sady nalevindreo tagny Samaria izy. Da i Joahaza zanany lelahy gne lasa mpanjaka nandimby anazy. 36Valo amby ropolo tao gne fotoa nanjakan'i Jeho tam'Israely tagny Samaria.
1Da tam'iza andro iza da narary d'efa ho faty i Hezekia. Da nagnato anazy i Isaia zanak'i Amosa, gne mpamonany, da nizaka taminazy hoe: ''Hoy i Yaveh: '''Alamino gne tragnonao; fa ho faty enao, da tsy ho velo.''' 2Da nitodiky nagnatriky gne rindry i Hezekia da nivavaky tam'i Yaveh izy nizaka hoe: 3''Mba mengavy rô, Yaveh ô, mba tsarovy gne nandehanako am-patokia t'agnatrehanao tame foko manotolo teo, sy gne nagnanoako gne tsara t'amasonao.'' Da notagny mafy i Hezekia avy teo.4T'alohane nivoahan'i Isaia t'ategnategnane tokotany, daavy taminazy gne zakan'i Yaveh, nizaka hoe: 5''Mipodia, da izakay i Hezekia, gne pitariky gn'olo hoe: 'Ako'izao gne zakain'i Yaveh, Zagnaharin'i Davida razambenao: ''efa reko gne vavakao, da hitako gne ranomasonao. Hagnasitragny anao Iaho ame gn'andro faha telo, da hiakatry agn an-dragnon'i Yaveh enao.6Ho apiako dimy amby folo tao gn'andro hivelomanao, da ho vojeko ame tanàne mpanjakan'i Asyria enao sy ity tanà ity, da harovako ity tanà ity nohone gn'aminah sy nohone gn'am'i Davida mpanompoko.''''' 7Da hoy Isaia hoe: ''Mangalà fehin'aviavy.'' Da nagnano an'iza indreo sady napetrany tame bainy iza, da sitragny izy.8Hoy i Hezekia tam'i Isaia: ''Ino me gne famatarafa hositragnin'i Yaveh iaho, sy gne tokony hekarako agny ame tempoliny amign'andro faha telo?'' 9Namaly Isaia hoe: ''Ako'izao gne famatara ho anao avy am'i Yaveh, fa i Yaveh da hagnano gne raha nozakainy. Tokony handroso dingagny folo me gne tandilo, sa hiemotry dingagny folo?''10Namaly i Hezekia: ''Mora ho ane tandilo gn'androso dingagny folo. Aeky! Apetrao hiemotry dingangny folo gne tandilo.'' 11Da nangaikingaiky an'i Yaveh i Isaia mpamonany, da nindesiny nipody dingagny folo gne tandilo, avy tagny ame nihetsehany tame tohotr'i Ahaza.12Tam'iza fotoa iza i Merodaka-baladana zanak'i Baladana mpanjakan'i Babylona da nandefa taratasy sy fagnomeza tagnyam'i Hezekia, satia regniny fa narary i Hezekia. 13Niteno en'iza taratasy iza i Hezekia, da nasehony gne mpinaday hafatry gne lapa aby sy gne raha-sarobidiny, gne volafotsy, gne volamena, gne raha-magnitry sy gne menaky lafo vidy, da gne tragno koa fitahirizany gne fitôva-pediany iza raha za aby da hita tame tragno fagnopia raha. Tsy nisy raha gne tsy nabodan'i Hezekia andreo t'an-dragnony tao, ndre tame fanjakany tao.14Da Isaia mpamonany negnagny am'i Hezekia mpanjaka da nagnotany anzy hoe: ''Ino gne nozakain'iregny lelahy regny?'' Hoy i Hezekia: ''Avy agny an-tany lavitry agny Babylona indreo.'' 15Nagnotany i Isaia hoe: ''Ino gn'itandreo t'an-dragnonao tao?'' Namaly i Hezekia hoe: ''Hitandreo aby evakoa gne raha t'an-dragnoko tato aby.Tsy nisy tame raha-lafo vidiko tsy nabodako andreo.''16Da hoy Isaia tam'i Hezekia: ''Tenomo gne zakan'i Yaveh: 17'Io, fa efa ho avy gn'andro hitoma gne raha aby eo ame lapanao megnagny Babylona, da gne raha nopiane razambenao hatram'izao andro zao. Tsy misy ndre ino ndre ino ho tambela, hoyi Yaveh. 18Gne zanaky lelahy teraky avy aminao, gne notezainao manoka_ho alaindreo iza, da ho lasa tandapa ao ame lapane mpanjakan'i Babylona indreo.'''19Da hoy i Hezekia tam'i Isaia: ''Tsara gne zakan'i Yaveh gne nozakainao.'' Satria nihevitry izy hoe: ''Tsisy fiadana sy filamina me iza ame gn'androko?'' 20Raha gnam'ireo raharaha hafa mikasiky an'i Hezekia, sy gn'hehiny aby, da gne nagnanoany gne farihy sy gne lakan-drano, da gne nindesany rano tame tanà tao—da te'efa vôsoratry ao ame bokine tatarane mpanjakan'i Joda me iza? 21Nodim'andry niaraky tame razabeny i Hezejia, da i Manase zanany lelahy gne nandimby anazy tame toerany.
1E zakan'i Nehemia zanak'i Hakalia: Ary tamè volana Kisleo, tamè taona faharopolo, raha mbola tao amè fiarova mafin'i Sosa iaho, 2dia nisy raiky tamindreo rahalahako, i Hanany, gne avy niaraky tamina olo maromaro avy agny Joda, ary nagnontany andreo mikasiky gne Jiosy izay tafalefa, sy gne Jiosy sisa tavela tagny, ary mikasiky an'i Jerosalema iaho.3Hoy indreo taminahy se: "Gne tafavoky izay velo tamè fahababoa agny amè faritany da agnaty fangorohoroa sy fahafaham-baraka zakabe satria vaky niroda e rindrin'i Jerosalema, ary vohoro tamè gn'afo e vavahady."4Vatany vo nahare an'io tany io iaho, da nipetraka ka nitomagny, ary nalahelo sy nifady hany ary tonga da nivavaky tamè gn'Andriamanitr'e lagnitry iaho nandritry gn'andro maro. 5Da hoy iaho se: "Anao i Yaveh, Andriamanitr'e lagnitry, gn'Andriamanitra zakabe sady mahagaga, izay mità e fagneken'e fagnekè sy mità e fitiava ho an'e izay tia Anazy ary magnaza gne didiny.6Tenomo e fivavahako ka sokafo e masonao, mba haharesanao e vavak'e mpanomponao izay hivavahako eo agnatrehanao atoandro sy ariva ho an'e vahoakan'Israely mpanomponao amizao. Magneky e fahotan'e vahoakan'Israely, izay nagnotanay taminao iaho. Iaho sy e gn'avan'i abako da samby nagnota. 7Nagnano izay tena ratsy taminao iahay, ary tsy mba nagnaza gne didy, gne lalàgna, ary gne fitsipiky izay nibekoanao an'i Mosesy mpanomponao.8Mba tsarovo rô e zaka izay nibekoanao an'i Mosesy mpanomponao hoe: "Raha tsy matoky anareo, da ho aparitako egny amè firenena, 9fa raha miverigny aminahy anareo ary magnaraky e didiko ka magnano an'izany, ndre da niely tagny ambanin'e lagnitry indrindra koa e vahoakanao, da handagnona andreo avy agny Iaho ka hinday andreo agny amè toera izay nofidiko hagnapetra gn'agnarako.'10Ary mpanomponao sy gn'olonao indreo, izay navotanao tamè herinao zakabe sy e tagnanao mahery. 11Ô Yaveh, magnano azafady aminao iaho, tenomo rô e vavak'e mpanomponao sy e vavak'e mpanomponao izay magnaja e agnaranao zakabe. Ary anio embeno e mpanomponao androany, ary halahelovo eo amason'io lelahy io izy." Fa nanompo ho mpinday kapôky teo amè mpanjaka iaho.
1Tamè volan'i Nisana, tamè faharoapolo taona nampahery an'i Artaksersesy mpanjaka, da nisafidy divay izy, ary nangala gne divay ka nagnome an'izany ho an'e mpanjaka. Ary tsy mbola nahelo teo amè fagnatrahany mihitsy iaho. 2Fa hoy e mpanjaka taminahy se: "Nagnino gn'endrikao malahelo be ty? Nefa akoraha tsy hita marary anao. Mety alahelo ao am-po izany." Da lasa natahotry mafy iaho.3Hoy iaho tamè mpanjaka se: "Ho velo mandrakizay anie e mpanjaka! Nagnino gn'endrikao gne tsy tokony halehelo? Gne tanà, e toeran'e koborin-drazako, da rava, ary gne varangarany da potiky gn'afo."4Da hoy e mpanjaka taminahy se: "Ino gne tianao haniko?" Da nivavaky tamè gn'Andriamanitr'e lagnitry iaho.5 Namaly e mpanjaka iaho hoe: "Raha tsara amè mpanjaka izany, ary raha nagnano e tsara teo amasonao e mpanomponao, da afaky hirahanao ho agny Joda iaho, agny amè gne tanàn'e fasan-drazoko, mba hahafahako mamerigny mananga izany."6 Da namaly anahy e mpanjaka (ary nimpetraky teo agnilany evakoa e mpanjaka viavy) hoe: "Ovia gne andehananao ary ovia anao gne hiverigny?" Sitrak'e mpanjaka e nandefa anahy nagnome gne datin'andro taminazy iaho.7Avy eo da hoy iaho tamè mpanjaka se: "Raha sitrak'e mpanjaka, da ao hisy taratasy home anahy ho an'e governora agny amè Faritany Ambadiky ny ony mba hagnomezan-dreo anahy alala handeha amè fari-tanin-dreo amè lalako mandeha agny Joda. 8Ao evakoa isy taratasy ho an'i Asafa mpiandry gn'alan'e mpanjaka, mba hagnomezany anahy hazo hagnamboara andry ho an'e vavahadin'e fiarova mafy akekin'e tempoly, sy ho an'e rindrin'e tanà, ary ho an'e tragno izay hipetrahako." Satria tatoa aminahy e tagna tsaran'i Yaveh, da naniny mpanjaka gne fangatahako.9Da avy tagny amè governora agny amè Faritany Ambadiky ny ony iaho ary nagnome gne taratasin'e mpanjaka andreo. Ary e mpanjaka nandefa manam-boninahitry e maramila sy mpandeha soavaly niaraky taminahy. 10Raha ren'i Sanbala Horonita sy Tobia Amonita mpanompo izany, da vignitry izy satria nisy olo avy izay mitakady hagnampy e vahoakan'Israely.11Noho izany da avy tagny Jerosalema iaho ary tagny nandritry e telo andro. 12Nifoha iaho gne ariva, iaho sy lelahy vitsivitsy niaraka taminahy. Tsy nozakaiko tamin'ia na ia izay napetr'Andriamanitra tao am-poko mba ho any ho an'i Jerosalema. Tsy nisy biby niaraky taminahy, ankotran'e raiky izay nipitiako.13Nandeha ninjotso tamè Vavahadin'e lohasaha iaho gn'ariva, tandrifin'e Loharanon'e Amboahaolo sy e Vavahadin-Jezika, ary nagnara-maso an'e rindrin'i Jerosalema, izay efa rava, ary gne varangara hazo da ravan'e gn'afo. 14Avy eo da nandeha tagny amè Vavahadin-Doharano sy e Farihin'e Mpanjaka iaho. Pitsa lotry ho an'e biby izay nipitiako e handeha amy gne toera.15Noho izany da niakatry e lohasahan-diaky iaho gn'ariva ary nipody. 16Tsy fantatr'e mpanampaky izay nombako ndre da izany naniko, ary tsy mbola nagnambara gne Jiosy iaho, ndre gne mpisorona, ndre gne manan-kanja, ndre gne mpanampaky, ndre gne sisa izay nagnano gn'asa.17Hoy iaho tamin-dreo se: "Hitanareo e loza izay mahazo antsika, e hipetrahan'i Jerosalema ao agnaty faharava sy e vavahadiny izay ravany gn'afo. Atsika, andeha isika hamerigny hananga e rindrin'i Jerosalema, mba tsy ho ao agnatin'e fahafaham-baraka esanaky isika." 18Nozakaiko andreo fa teo aminahy ny tanana tsarab'Andiamanitry sy gne momba ny zaka izay nolazaina taminahy. Hoy indreo se: "'Ao isika hitsanga ka hananga." Da nanindreo nantanjaky ho an'e gn'asa tsara e tagnan-dreo.19Fa raha ren'i Sanbala Horonita, sy Tobia Amonita mpanompo, ary Gasema Arabo e mikasiky an'izany, da nagnambany sy nangala baraka anay indreo, ary hoy indreo se: "Ino gn'aninareo ty? Mikinia hanohitry e mpanjaka me anareo?" 20Da namaly endreo iaho hoe: "Hagnome fahombiaza anay gn'Andriamanitr'e lagnitry. Mpanompony iahay ary hitsanga sy hagnorigny iahay. Kanefa anareo tsy mana anjara, na rariny, ary fifandresa amè tantara ao Jerosalema."
1Ary nitsanga niaraky tamè mpisorona rahalahiny i Eliasiba mpisoronabe, da nagnambotry e Vavahadin'Ondry indreo. Natokan-dreo izany ary nampetrakiny tamè toerany e vavahadiny. Natokan-dreo hatragny amè Tilikambon'ny Zota lahy ka hatragny amè Tilikambon'i Hananela izany. 2Tafarany gne niasa gn'olon'i Jeriko, ary niasa tafaran-dreo i Zakora zanak'i Imry lelahy.3Namboaran'e zanak'i Hosena lelahy e Vavahadin'e Hazondrano. Nagnano andry ho an'izany indreo, ary nagnapetraky e varangarany, e hidiny, sy gn'apengony.4 Ary Meremota gne nagnambotry e faritry nagnaraky an'izany. Izy da zanak'i Oria lelahy zanak'i Hakoza. Tafaran-dreo gne nagnambotry i Mesolama. Izy da zanak'i Berekia lelahy zanak'i Mesezabela. Tafarandreo gne nagnambotry i Zadoka. Izy da zanak'i Bana lelahy.5 Tafarandreo e Tekoita gne nagnambotry, fa tsy nagneky hagnano gn'asa nampagnamboarin'e mpagnara-maso anazy e mpitarikin-dreo.6Joiada zanak'i Pasea lelahy sy Mesolama zanak'i Besodia lelahy gne nagnambotry e Vavahady Taloha. Nagnano andry ho an'izany indreo, ary nagnapetraky e varangarany, e hidiny, sy e gn'ampengony. 7Tafaran-dreo i Melatia Gibeonita sy Jadona Meronotita, izay olon'i Gibeona sy Mizpa gne nagnano fagnamboara teo amè faritry nimpetrahan'e governoran'e Faritany Tandrifin'ny ony.8Oziela zanak'i Haraia lelahy gne teo akekiny, raiky amè mpanefy volamena, gne nagnambotry, ary teo agnitany i Hanania, izay mpagnano ranomagnitry. Naverin-dreo namboary i Jerosalema hatragny amè Rindry Zakabe. 9Teo akekin-dreo i Rafaia zanak'i Hora lelahy gne nagnambotry. Izy gne mpanampaky gn'antsasaky e distrikan'i Jerosalema. 10Tafaran-dreo i Jedaia zanak'i Haromafa lelahy gne nagnambotry e teo akekin'e tragnony. Tafarany da Hatosy zanak'i Hasabnia gne nagnambotry.11Malkia zanak'i Harima lelahy sy Hasoba zanak'i Pahata-moaba lelahy da nagnambotry faritry hafa magnaraky e Tilikambon'e Fatana. 12Tafaran-dreo da i Saloma zanak'i Halohesy lelahy, izay mpanampaka gn'antsasan'e distrikan'i Jerosalema, da nagnambotry, niaraky tamè zanany viavy.13Hanona sy gne gn'olon'i Zanoa da nagnambotry e Vavahadin'e Lohasaha. Naverin-dreo namboary izay ary napetrakiny e varangarany, e hidiny, gn'apengony. Nagnambotry rindry arivo hakiho hatragny amè Vavahadin-Jezika indreo.14Malkia zanak'i Rekaba lelahy, mpanampaky e distrikan'i Beti-Hakerema, gne nagnambotry e Vavahadin-Jezika. Izy gne nagnambotry an'izany, ary nagnapetraky e varangarany, e hidiny, sy e gn'apengony. 15Saloma zanak'i Kola-hoze, mpanampaky e distrikan'i Mizpa, gne namerigny nagnambotry e Vavahadin'e Lohasaha. Izy gne nagnambotry an'izany, ary nandrakotry an'izany sy nagnapetraky e varangarany, e hidiny, sy gn'apengo. Izy evakoa gne namerigny nagnamboatry e valan'e Farihin'i Siloa izay teo akekin'e zaridain'e mpanjaka, hatragny amè tohatry midigny amè tanànan'i Davida.16Nehemia zanak'i Azboka, mpanapaka gn'antsasaky e distrikan'i Beti-zora, da nagnambotry teo amè toera mandalo eo amè koborin'i Davida, hatragny amè farihy nanin'e gn'olombelo, ka hatragny amè tragnon'e gn'olo mahery. 17Tafarany da e Levita gne nagnambotry, ao agnatin'izany i Rehoma zanak'i Bany, ary nagnaraky anazy, Hasabia, gne mpanapaka gn'antsasak'e distrikan'i Keila, ho an'ny distrikany.18Nqgnambotry teo agnilany e mponin-dreo, tao agnatin'izany i Bavay zanak'i Henadada lelahy, mifehy gn'antsasaky e distrikan'i Keila. 19Tafarany, da Ezera zanak'i Jesoa lelahy, mpifehy tao Mizpa, gne nagnambotry faritra hafa eo amè fiakara megnagny amè tragno fihopia fitaovam-piadia teo an-joron'e vala.20Teo agnilany da nanolotry e tegnany nagnambotry faritra hafa i Baroka zanak'i Zabay lelahy, avy eo amè zorin'e rindry hatragny amè varangaran-tragnon'i Eliasiba mpisoronabe. 21Nagnambotry faritra hafa teo akekiny i Meremota zanak'i Oria lelahy zanak'i Hakoza, avy eo amè varangaran-tragnon'i Eliasiba ka hatragny amè faran'e tragnon'i Eliasiba.22Tafarany da gne mpisorona, lelahy avy amè faritra magnodidy an'i Jerosalema, gne nagnambotry. 23Tafaran-dreo da Benjamina sy Hasoba gne nagnambotry e tragnon-dreo manoka. 24Tafarany i Binoy zanak'i Henadada lelahy da nagnambotry faritra hafa, avy eo amè tragnon'i Azaria hatragny amè zoron'e rindry.25Palala zanak'i Ozay lelahy da nagnambotry e magnatriky e zoron'e rindry sy e tilikambo izay mitohy miakatry avy eo amè tragno abon'e mpanjaka eo amè gn'atinderan'e mpiamby. Padaia zanak'i Parosy lelahy gne nagnambotry teo agnilany. 26Ary gne mpanompo'e tempoly nipetraky tao Ofela da nagnambotry hatreo amè tandrifin'e Vavahan-dRano atsimon'e tilikambo zakabe. 27Nagnaraky anazy da nagnambotry faritra hafa e Tekoita izay tantrifin'e tilikambo zakabe hatragny amè rindrin'i Ofela.28Gne mpisorona da nagnambotry e faritra e teo ambonin'e Vavahadin-tsoavaly, izay tandrifin'e tragnon'e gn'olo agnaby. 29Nagnambotry e faritra hafa tandrifin'e tragnony teo agnilan-dreo i Zadoka zanak'i Imera lelahy. Ary nagnambotry teo agnilany i Semaia zanak'i Sekania lelahy, mpiandry e vavahady atsignana. 30Nagnambotry faritra hafa teo agnilany i Hanania zanak'i Selemia lelahy, sy Hanona gne zanak'i fahenin'i Zalafa lelahy. Nagnaraka anazy i Mesolama zanak'i Berekia lelahy izay nagnambotry e tandrifin'e gn'efitragnony.31Teo agnilany i Malkia, raiky amè mpanefy volamena, izay nagnambotry e tragnon'e mpanompo amè tempoly sy gne mpivarotra izay tandrifin'e Vavahady Fanendrè sy gn'efitragno ambony teo an-jorony. 32Gne mpanefy volamena sy gne mpivarotra da nagnambotry e teo agnelagnelan'e gn'efitragno ambony teo an-jorony sy e Vavahadin'Ondry.
1Ary raha ren'i Sanbala fa nananga rindry iahay, da nirehitry tao agnatiny izany, ary niakatry e havignira izy ka nagnamavo e Jiosy. 2Hoy izy teo agnatrehan'e rahalahany sy e miaramilan'i Samaria: "Fa ino ity anin-dreo Jiosy miory io? Hamerigny e tanà ho andreo me indreo? Hagnome sorina me indreo? Ho vitain-dreo ao agnatin'e gn'andro raiky me gn'asa? Hamelo gne vato avy amè korontam-bato efa noroa koa me indreo? 3Tobia Amonita da niaraka taminazy, ary hoy izy se: "Raha mba nisy amboadihy tamizay niakatra teo amin'izay atsanan-dreo, da handroda e rindry vaton-dreo izany!"4 Tenomo, ô Andriamanitray, fa vorebireby iahay. Ampodiana amè lohan-dreo avao e fizakan-dratsin-dreo ary avelay indreo ho babo agny amè tany izay higadran-dreo.5 Ka maminy e helokin-dreo ary ka mamafa e fahotany tsy ho eo agnatrehanao, fa nikindy gn'avigniran'e mpananga e rindry indreo. 6Da natsanganay e rindry ary nifandray teo amè hatsasaky gn'ahabon'e rindry agnaby satria nanam-pagniria e hiasa gn'olo.7Fa raha ren'i Sanbala, Tobia, gn'Araba, gn'Amonita, ary gn'Asdodita fa nandea gn'asa fagnamboara e rindrin'i Jerosalema, ary efa hihidy gne toera vaky teo amè rindry, da vignitribe tao agnaty indreo. 8Niara-nimenimeny agnaby indreo, ary avy hiady tamin'i Jerosalema ka nahavy savorivory tao amin'izany. 9Fa nivavaka tame gn'Andriamanitray iahay ary nagnapetraky mpiamby hiaro amin-dreo atoandro aman'aly nohon'e fampitahoran-dreo.10Da hoy gne vahoakan'i Joda se: "Mahalefy e herin'e izay minjoga anta-mavesatry. Be lôtry gne karotam-bato, ary tsy afaky mamerigny mananga e rindry iahay." 11Hoy gne fahavalonay se: "Tsy hahafantatry na hahita indreo ambaram-pevianay eo amin-dreo ka hamono andreo, ary hampinjano gn'asa."12Tamin'izany fotoa izany da avy tagny amè lala agnaby gne Jiosy izay nipetraky tao akekin-dreo ary nizaka impolo taminay, nampitandrina anay gn'amè tetiky izay anin-dreo aminay. 13Ka nagnapetraky olo tagny amè faritra epaky indrindra amè rindry tegny amè toera baza iaho. Nagnapetraky e fianakavia agnaby niaraky tamè sabany, e lefony, ary e tsipìkany agnaby iaho. 14Da nitsinjo iaho, ary nitsanga, ka hoy iaho tamè gn'olo ambony, sy tamè mpanapaka, ary tamè vahoaka sisa se: "Ka matahotry andreo. Tsarovo e Tompo, izay zakabe sady mahagaga. Media ho an'e gn'avanareo, e zanakareo lelahy sy e zanakareo viavy, e vadinareo, ary e tragno raiky aminareo."15Ary raha ren'e fahavalonay fa hainay e paik'adin-dreo ary nasavorivorin'Andriamanitra e paik'adany, da niverigny amè rindry iahay agnaby, samby nagnano gn'asany. 16Ka nanomboky tamin'izany fotoa izany da niasa ho an'e fanangana e rindry fotsiny gn'antsasak'e mpanompoko, ary gn'antsasany nità lefo, ampinga, tsipìka, ary nagnano ankanjo fiarova, raha nitsanga avy ao afaran'e vahoakan'i Joda agnaby gne mpitariky.17Niamby e fipetrahan-dreo evakoa gne mpiasa izay nananga e rindry sy ninjonga gn'enta-mavesatra. Niasa tamè tagna raiky agnaby gn'olo, ary tamè tagna ilany gne nitànan-dreo fiadiany. 18E mpananga agnaby da nagnisy e gn'antsiny teo agnilako ary akoizany gne sasany. Gne raiky izay nampagneno e trompetra da nijano teo akekiko.19Da hoy iaho tamè gn'olo ambony sy gne manam-boninahitry ary tamè vahoaka sisa se: "Zakabe sady mihitatry gn'asa, ary misaratsaraky isika etoa ambonin'e rindry, mifagnalavitry. 20Ao hiazakazaky ho eo amè toera aharesanareo e feon-trompetra anareo ary hilagno eo. Hiady ho antsika gn'Andriamanitsika."21Ka naninay gn'asa. Gn'antsasakin-dreo nità lefo nanomboky vo nazavan-dratsy ka hatrame fibodagnan'e kita. 22Hoy iaho evakoa tamè gn'olo tamin'izany fotoa zany se: "Ao gn'olo agnaby sy e mpanompony hagnandrandro eo ategnategnan'i Jerosalema, mba ho mpiamby antsika mandritry gn'ariva indreo ary ho mpiasa amè gn'atoandro." 23Ndre da iaho, ndre gne rahalahako, ndre gne mpanompoko, ndre gne lelahan'e mpiamby izay nagnaraky anahy, da nisy nisolo akanjo iahay, ary nità fedia e tsikiraikiraiky taminay, ndre da handeha hangala rano avao.
1Ary raha ren'i Sanbala, Tobia, ary Gasema Arabo sy gne fahavalalonay sisa fa efa nagnambotry e rindry indraiky iaho ary tsy nisy faritra nivoha esanaky, ndre da tsy mbola nananga gne varangara teo am-bavahady iaho, 2da hoy i Sanbala sy Gasema taminahy, nagnano hoe: "Andao, andeha itsika hiteno agny amè lemak'i Ono agny." Nefa nikendry e hagnisy ratsy anahy indreo.3Nagniraky mpinday hafatry tagny amindreo iaho, nagnano hoe: "Magnano asa zakabe iaho, ka tsy afaky midigny. Nagnino gne tokony hijano gn'asa raha hizakako an'izany ka midigny agny aminao iaho?" 4Nandefa hafatry mitovy in'efatry taminahy indreo, ary novaliako mitovy isaky e mandefa indreo.5Nagniraky e taty aminahy akoy izany fanindiminy i Sanbala, ninday taratasy mivoa tegny an-tagnany.6 Vosoratry tao amin'izany hoe: "Votatitry eo amè firenena izao, sady ambaran'i Gasema evakoa, fa mitetiky e hanahitry anao sy gne Jiosy, ka noho izany gne nagnamboaranao e rindry indraiky. Araky e zakain'itoa tatitra itoa, da efa ho avy mpanjakan-dreo anao.7Efa nanendry mpaminany evakoa anao mba hagnano izao fagnambara mikasiky anao izao agny Jerosalema, magnano hoe: 'Misy mpanjaka agny Joda!' Mahazo matoky anao fa ren'ny mpanjaka io tatitra io. Noho izany mivia, asika itsika hikorà."8Da nandefa zaka tagny aminazy magnano akoizao iaho: "Tsy nisy rahà akoy izany niboda araky e zakainao, fa tao am-ponao avao namorognanao io." 9Fa te-hampitahotra anay indreo, nieritreritra hoe: "Hampiraviravy e tagnan-dreo amè fagnambora asa indreo, ka tsy ho vita izany." Nefa androany, ô Andriamanitra, mba atanjaho rô gne tagnako."10Nandeha agny andragnon'i Semaia zanak'i Delaia lelahy, zanak'i Mehetabela lelahy, izay tsy afaky nihetsiky tao amè tragnony iaho. Hoy izy: "Andeha hahaona agny amè tragnon'Andriamanitra itsika, ao agnatin'e tempoly, ary atsika hidiantsika e varangaran'e tempoly, satria avy hamono anao indreo. Ho avy hamono anao indreo raha ariva gn'andro." 11Namaly iaho hoe: "Lelahy akoy iaho nda da andeha hilefa? Hiditry ao amè tempoly mba hahafahany magnavotry gn'ainy e lelahy akoy iaho me? Tsy hiditra iaho!"12 Tonga saina iaho fa tsy Andriamanitra gne nagniraky anazy, fa naman'e nanohitry anahy izy. 13 Nagnaraky anazy i Tobia sy Sanbala. Nagnarama anazy indreo mba hampitahotry anahy, mba hagnamboarako izay zakainy ka hagnota, mba hagnomezan-dreo agnara ratsy ho anahy hangalan-dreo baraka anahy. 14Tsarovo Tobia sy Sanbala, ô Andriamanitra ô, ary izay agnaby nanin-dreo. Tsarovo evakoa Noadia mpaminany viavy sy gne mpaminany sisa izay nagnandra e hampitahotry anahy.15Da vita tamy gn'andro fahadimy ambany ropolon'e vola Elola e rindry. Tafaran'e roy ambiny dimampolo andro. 16Raha ren'e fahavalonay agnaby izany, gne firenena agnaby magnodidy anay, da nanahitry indreo ary lavo nangahiahy teo amason-dreo avao. Fa fatantatrin-dreo fa vita tamè fagnampian'e Andriamanitra gn'asa.17Tamin'izany fotoa izany da nandefa taratasy maro tagny amin'i Tobia gne manan-kaja tao Joda, ary avy tagny amindreo koa e taratasin'i Tobia. 18Fa nisy maro tagny Joda gne vofototr'e fiaina taminazy, satria vinanton'i Sekania zanak'i Ara lelahy izy. Ary Johanana zanany lelahy efa nanambady e zanak'i Mesolama viavy zanak'i Berekia lelahy. 19Nizaka taminahy mikasiky gn'asa soany ary nitatitry gne zakako tagny aminazy evakoa indreo. Nandefasa taratasy avy tamin'i Tobia iaho mba hampitahora anahy.
1Raha vita e rindry ary vopetrako tamè toerany gne varangara, ary efa vototro gne mpiamby vavahady sy mpihira ary gne Levita, 2da nomeko an'i Hanany rahalahako e fitantagna an'i Jerosalema, miaraky amin'i Hanania izay nagnara-maso e fiarova mafy, satria lelahy mahatoky sy matahotry an'Andriamanitra mihoatry noho e maro izy.3Hoy iaho tamindreo se: "Ka voà e vavahadin'i Jerosalema mandra-piakatry e masoandro. Raha mbola miamby gne mpiamby, da afaky e varangara sy magnisy apengo anareo. Manendre mpiamby avy amizay mipetraky agny Jerosalema, e sasany agny amè toeram-piambenan-dreo, ary e sasany izay samby magnatriky gne tragnony." 4Ary gne tanà da midadasiky sy zakabe, kanefa vitsy gn'olo ao amin'izany, ary tsy mbola nisy tragno votsanga.5Andriamanitra e nametraka tao am-poko e hamoria gne manan-kaja, gne manam-boninahitry, sy ireo vahoaka mba ho sorata agnara arak' e fianakavian-dreo. Hitako gne bokin'ny tetian'ireo izay niverigny voloany ary hitako vosoratry tao itoa agnara itoa.6Itoa e vahoakan'e faritany izay nandeha niakatry avy tamè fahababoan'e sesitany izay nobaboin'i Nebokadnezara mpanjakan'i Babylona. Nipody tagny Jerosalema sy Joda indreo, samy tanànany agnaby. 7Niaraky tamin'i Zerobabela, Jesoa, Nehemia, Azaria, Ramia, Nahanany, Mordekay, Bilsana, Mispereta, Bigvay, Nehoma, ary Bana indreo. Gn'isan'e lelahan'e vahoakan'Israely da ahita itoa magnaraky itao.82.172 e taranak'i Parosy. 9372 gne taranak'i Sefatia. 10 651 gne taranak'i Ara.112.818 gne taranak'i Pahata-moaba, avy amè taranak'i Jesoa sy Joaba. 121.254 e taranak'i Elama. 13 13845 e taranak'i Zato. 14760 e taranak'i Zakay.15 648 e taranak'i Binoy. 16618 e taranak'i Bebay. 17 172.322 e taranak'i Azgada. 18 667 e taranak'i Adonikama.192.067 e taranak'i Bigvay. 20 655 e taranak'i Adina. 21 98 e taranak'i Atera, avy tamin'i Hezekia. 22328 e taranak'i Hasoma.23 324 e taranak'i Bezay. 24112 e taranak'i Harifa. 2595 e taranak'i Gibeona. 26188 gn'olo avy agny Betlehema sy Netofa.27128 gn'olo avy agny Anatota. 2842 gn'olo avy agny Bet-azmaveta. 29743 gn'olo avy agny Kiriata-jearima, Kefira, ary Berota. 30621 gn'olon'i Rama sy Geba.31122 gn'olon'i Mikmasy. 32123 gn'olon'i Betela sy Ay. 3352 gn'olon'e Nebo hafa. 341.254 gn'olon'i Elama hafa.35320 gn'olon'i Harima. 36345 gn'olon'i Jeriko. 37 721 gn'olon'i Loda, Hadida, ary Ono. 38930 gn'olon'i Sena.39 973 gne mpisorona: da e taranak'i Jedaia (avy amè tragnon'i Jesoa). 401.052 e taranak'Imera. 41 1.247 e taranak'i Pasora. 42 1.017 e taranak'i Harima.4374 gne Levita: da e taranak'i Jesoa, Kadmiela, Binoy, ary Hodavia. 44148 gne mpihira: 45138 gne mpiamby vavahadin'e taranak' i Saloma, taranak'i Atera, taranak'i Talmona, taranak'i Akoba, e taranak'i Hatita, e taranak'i Sobay.46Gne mpanompon'e tempoly: da e taranak'i Ziha, e taranak'i Hasofa, e taranak'i Tabaota, 47e taranak'i Kerosa, e taranak'i Sia, e taranak'i Padona, 48e taranak'i Lebana, e taranak'i Hagaba, e taranak'i Salmay, 49e taranak'i Hanana, e taranak'i Gidela, e taranak'i Gahara.50E taranak'i Reaia, e taranak'i Rezina, e taranak'i Nekoda, e taranak'i Gazama, 51e taranak'i Oza, e taranak'i Pasea, e taranak'i Besay, 52e taranak'i Meonita, e taranak'i Nefisita.53E taranak'i Bakboka, e taranak'i Hakafa, e taranak'i Harora, 54e taranak'i Bazlita, e taranak'i Mehida, e taranak'i Harsa, 55e taranak'i Barkosa, e taranak'i Sisera, e taranak'i Tema, 56e taranak'i Nezia, e taranak'i Hatifa.57 Gne taranak'e mpanompon'i Solomona: da e taranak'i Sotahy, e taranak'i Sofereta, e taranak'i Perida, 58e taranak'i Jala, e taranak'i Darkona, e taranak'i Gidela, 59 e taranak'i Sefatia, e taranak'i Hatila, e taranak'i Pokereta-hazebaima, e taranak'i Amona. 60Gne mpanompon'e tempoly, sy gne taranak'e mpanompon'i Solomona da magnome isa 392.61Itoa gn'olo nandeha niakatra avy agny Tela-mela, Tela-harsa, Kerofa, Adona, ary Imera. Kanefa tsy afaky nagnaporofo indreo fa indreo ndre gne fianakavin'e taranakin-dreo da taranaky avy amè gn'Israely: 62da gne taranak'i Delaia, e taranak'i Tobia, ary e taranak'i Nekoda, izay 642. 63Gn'avy amè mpisorona: da e taranak'i Hobaia, Hakoza, ary Barzilay (izay nangala e vadiny avy amè zanak'i Barzilay avy agny Gileada ary nangia tamy gnagnaran-dreo).64Io da nitadia e fanoratan-dreo tamè nisoratry agnara tamè bokin-draza indreo, saingy tsy hita io, ka da voahiliky tamè fisorona ho maloto indreo. 65Avy eo e governora nizaka tamindreo fa tsy tokony home alala hihina e fizarak'anin'e mpisorona avy amè sorona indreo mandra-pitsangananan'e mpisorona raiky miaraky amè Orima sy Tomima.6642.360 gne fitambaran'e fizarany agnaby, 67ankotran'e lelahy sy mpanompon-dreo ary e mpanompo viavin-dreo, izay nisy 7.337. Nana mpihira lelahy sy viavy 245 indreo.68736 e isan'e soavalin-dreo, 245 gn'apondra, 69435 e rameva, ary 6.720 gne boriky.70Gn'asasany tamè lohan'e gn'avan'e razambe da nagnome fagnomeza ho an'e gn'asa. Nomen'e governora volamena arivo, koveta 50, ary ankanjo fisoronana 530 ho an'e rakitry. 71Gne sasany amè loahan'e fianakavian'e razambe da nomè darika volamaena roy alina sy mena volafotsy 2.200 ho an'ny rakitry. 72Gne sisa tamè vahoaky da nagnome darika volamena roy arivo, sy mane volafotsy roy alina, ary akanjo fanakofa fito amby enimpolo.73Noho izany gne mpisorona, gne Levita, gne mpiamby vavahady, gne mpihira, e sasany amè vahoaky, gne mpanompon'e tempoly, ary gn'Israely agnaby da nipetraky tagny amè tanàn-dreo. Tamè volona fahafito gne nagnapetraha e vahoakan'Israely tao amè tanàn-dreo."
1Ao amè gn’atontan-taratasy votombokase i Nehemia, governora, zanak’i Hakalia Zedekia lelahy, 2Seraia, Azaria, Jeremia, 3Pasora, Amaria, Malkia,4Hatosy, Sebanaia, Maloka, 5Harima, Meremota, Obadia, 6Daniela, Ginetona, Baroka, 7Mesolama, Abia, Miamina, 8Mazia, Bilgay, ary Semaia. Io gne mpisorona9Gne Levita da: Jesoa zanak’i Azania lelahy, Binoy avy amè gn’avan’i Henadada, Kadmiela, 10ary gne Levita namany da i Sebania, Hodia, Kelita, Pelaia, Hanana, 11Mika, Rehoba, Hasabia, 12Zakora, Sebania, 13Hodia, Bany ary Benino. 14Gne mpitariky gn’olo da: Parosy, Pahata-moaba, Elama, Zato, Bany,15Bony, Azgada, Bebay, 16Adonia, Bigvay, Adina, 17Atera, Hezekia, Azora, 1818 Hodia, Hasoma, Bezay, 19Harifa, Anatota, Nebay, 20Magpiasy, Mesolama, Hezira, 21Mesezabela, Zadoka, Jadoa,22Pelatia, Hanana, Anaia, 23Hosea, Hanania, Hasoba, 24 Halohesy, Pila, Sobeka, 25Rehoma, Hasabna, Mahaseia, 26 Ahia, Hanana, Anana, 27 Maloka, Harima, ary Bana.28Fa gn’olo sisa, izay mpisorona, Levita, mpiamby vavahady, mpihira, mpikarakara e tempoly, sy e izay nagnasaraky tegnany agnaby tamè gn’olo teo amin’e tany magnodidy sy nanokan-tegna ho an’e lalàn’Andriamanitra, agnisan’izany gne vadiny, gne zanany lelahy sy gne zanany viavy, gne manam-pahalala agnaby sy fahazavan-tsaina, 29niara-nitambatry tamè rahalahany, gn’olo ambony indreo, ary namehy e tegneny tamè gn’ozona sy fagnanova vava e handeha amè lalàn’Andriamanitra, izay nomen’i Mosesy mpanompon’Andriamanitra, ary mba handinika sy hagneky e didin’i Yaveh Tompontsika sy e fitsipikiny ary gne lalàgnany agnaby.30Nagnano vava iahay fa tsy hagnome e zanakay viavy ho an’e mponin’e tany na angala e zanakin-dreo viavy ho an’e zanakay lelahy. 31Nagnano vava evakoa iahay fa raha minday rahà avidy na mety ho vary avidy gn’olon’e tany amè gn’andro Sabata, da tsy hividy amin-dreo amè gn’andro Sabata na amin’izay andro masina iahay. Isak’e fito tao gne hampangalanay aina e taninay, ary ho foagnanay agnaby gne trosa izay nifagnarahanay tamè Jiosy hafa.32Ekenay e fibekoa e hagnomeza e gn’ampahatelon-tsekely isan-tao ho an’e fanompoa e tragnon’Andriamanitray, 33ho famatsia ho an’e mofon’e fagnatreha, sy ho an’ny fanatitry hohany tsy tapaky, e fanatitry oroa amè gn’andro Sabata, e fetin'e voloham-bola sy e fanatitry masina, sy ho an’e fanatitry nohon’e fahota ho fagnavota ho an’e gn’Israely, mbamin’izay agnaby asa ho an’ny tragnon’Andriamanitray.34Nagnano loka ho an’ny fanatitry hitay gne mpisorona, gne levita, sy e vahoaky. Gne famboara loka gne hifidy e amin’izay havanay hiday e hitay nao amè tragnon’Andriamanitray amè fotoa votoka isan-tao, mba ho oroa eo amè gn’alitaran’i Yaveh Andriamanitray, araka izay vosoratry ao amè lalàgna. 35Nagnano vava gn’inday gne voloham-bokatry izay mitsiry avy amè taninay, sy gne voloham-bokatry e hazo agnaby isan-tao ao amè tragnan’i Yaveh iahay. 36Araky izay vosoratry ao amè lalàgna, nagnano vava e hinday e volohan-terak’e zanakay lelahy sy gn’aomby sy gn’ondry aman’osinay ao an-tragnon’Andriamanitra sy ho eo amè mpisorona izay manompo ao iahay.37Ho entinay e voloha-kobanay sy e fanatitry hohany, ary e voan’e hazo agnaby, sy e divay ary e menaky izay indesy eo amè mpisorona, ho agny amè gn’efitry fihopian’e tragnon’Andriamanitray. Ho indesinay eo amè Levita gn’ampafalon’e gn’avy amè taninay satria gne Levita da mandagno gn’ampahafolon-karena eo amè renivohitry izay iasanay agnaby. 38Tsy maintsy misy mpisorona, taranak’i Arona miaraky amè Levita agnaby mandray gn’ampahafolon-karena indreo. Gne Levita da tsy maintsy minday gn’ampahafolo amè gn’ampahafolon-karena ho ao amè tragn’Andriamanitray ho agny amè gn’efitry fihompia fandatsahan-drakitry.39Gn’olon’Israely sy gne taranak’i Levy gne minday gne fandresa anjara amè vary, divay vaovao, ary menaky agny amè tragno fihompia izay hiompia e rahà masina sy izay nitoaran’e mpisorona izay nanompo, sy gne mpiamby vavahady, ary gne mpihira. Tsy ho aninay antsiramby e tragnon’e gn’Andriamanitray.
1Nipetraky tagny Jerosalema gne mpitariky e vahoaky, ary e vahoaky ambiny da nagnano fanohera mba hindesa e raiky amè folo hipetraky agny Jerosalema, gne tanè masina, ary gne sivy hafa nipetraky tagny amè tanà hafa. 2Avy eo e vahoaky nitso-drano gne izay nanolo-tegna an-tsitrapo agnaby e hipetraky agny Jerosalema.3Io da manam-boninahitry e faritany izay nipetraky tagny Jerosalema. Kanefa, da nipetraky tagny amè taniny agnaby gn’olo tagny amè tanàn’i Joda, da agnisan’izany e sasany amè gn’Israelita, gne pisorona, gne Levita, gne mpikarakaran’e tempoly, ary taranak’e mpanopon’i Solomona. 4Tagny Jerosalema gne nipetrahan’e sasany tamè taranak’i Joda sy e gne taranak’i Benjamina. Gne vahoaky avy amè taranak’i Joda da ahita an’i: Ataia zanak’i Ozia lelahy zanak’i Zakaria lelahy zanak’i Amaria zanak’i Sefatia lelahy zanak’i Mahalalila lelahy, gne taranak’i Fareza.5Tao i Mahaseia zanak’i Baroka lelahy zanak’i Kola-hoze lelahy, zanak’i Hazaia lelahy, zanak’i Adaia lelahy, zanak’i Joariba lelahy zanak’i Zakaria lelahy, zanak’i Silonita lelahy. 6Gne taranak’i Fareza lelahy agnaby izay nipetraky tagny Jerosalema da 468. Indreo da lelahy miavaky.7Itoa agnaby gne taranak’i Benjamina: Salo zanak’i Mesolama lelahy zanak’i Joeda lelahy zanak’i Pedaia lelahy zanak’i Kolaia lelahy zanak’i Mahaseia lelahy zanak’i Itiela lelahy zanak’i Jesaia, 8ary gne magnaraky anazy, da Gabay sy Salay, lelahy 928. [Fagnamariha: raha tokony ho: “gne izay magnaraky anazy”, izay ao amè dikan-teny Hebreo sy e dikan-teny hafa taloha, gne dikan-teny hafa taloha da mivaky akoizao: “Gne rahalahany”] 9Joela zanak’i Zikry gne mpiandraikitrin-dreo, ary Joda zanak’i Senoa lelahy da faharoy amè fibekoa eo amè tanà.10Avy amè mpisorona: Jedaia zanak’i Joariba lelahy, Jakina, 11Seraia zanak’i Hilkia lelahy, zanak’i Mesolama lelahy zanak’i Zadoka lelahy zanak’i Meraiota lelahy zanak’i Ahitoba zanak’i lehiben’e manam-pahefan’e tragnan’Andriamanitra, 12ary gne rahalahan-dreo izay nagnano gn’asa ao amè tragno, lelahy 822, miaraky Adaia zanak’i Jerosalema lelahy zanak’i Pelalia lelahy zanak’i Amzy zanak’i Zakaria lelahy zanak’i Pasora lelahy zanak’i Malkia.13Gne rahalahany da gne loharanon’e foko, lelahy 242; Amasay zanak’i Azarela lelahy zanak’i Ahazay lelahy zanak’i Mesilemota lelahy zanak’i Imera Lelahy, 14 ary gne rahalany, lelahy mahery fo amè gn’ady 128; gne mpiandraikitriny da i Zabdiela zanak’i Hagedolima lelahy.15Avy amè Levita da: i Semaia zanak’i Hasoba lelahy zanak’i Azrikama lelahy zanak’i Hasabia lelahy zanak’i Bony lelahy, 16ary Sabetahy sy Jozabada, izay avy tamè mpitarik’e Levita, izay miandraikitry gn’asa ambadik’e tragnon’Andriamanitra.17Ary Matania zanak’i Mika lelahy zanak’i Zabdy lelahy, zanak’i Asafa, gne zakabe izay nanomboky e fanoloram-pisorana tamè vavaky, ary Bakbokia, faharoy amè rahalahany, ary Abda zanak’i Samoa lelahy zanak’i Galala lelahy zanak’i Jedotona lelahy. 18E Levita agnaby tao amè tanà masina da niisa 284.19Gne mpiamby vavahady da: i Akoba, Talmona, ary gne namany, izay nagnara-maso gne vavahady, lelahy 172. 20Gn’Israely ambiny sy gne mpisorona ary gne Levita izay tao amè tanànan’i Joda agnaby. Gne tsirairay nipetraky tao amè lovan-taniny agnaby. 21Gne mpiasan’e tempoly nipetraky tagny Ofela, ary Ziha sy Gispa niandraikitry andreo.22Gne lehiben’e manam-boninahitry teo amè Levita tagny Jerosalema da i Ozy zanak’i Bany lelahy zanak’i Hasabiaha zanak’i Matania lelahy zanak’i Mika lelahy, tamè taranak’i Asafa, mpihira tamè gn’asa tao amè tragnan’Andriamanitra. 23Teo ambanin’e beko avy amè mpanjaka indreo, ary gne beko entitry gne nomè gne mpihira araky e notaky isan’Andro. 24Avy eo Petahia zanak’i Mesezabela lelahy, tarak’i Zera zanak’i Joda lelahy, da teo agnilan’e mpanjaka tamè rahà agnaby mikasiky e vahoaky.25Raha gne tanà sy gne sahan-dreo, e sasany tamè vahoakan’i Joda da nipetraky tagny Kiriat-arba sy e tanànany, ary tagny Dibona e tanànany, ary tagny Jekabzela sy e tanànany, 26ary tagny Jesoa, Molada, Beti-paleta, 27Hazarasoala, ary Beri-sheba sy gne tanànany.28E sasany tamè vahoakan’i Joda da nipetraky Ziklaga, Mekona sy e tanàny, 29En-rimona, Zora, Jarmota, 30Zanoa, Adolama, sy e tanànan-dreo, ary tagny Lakisy sahany ary Azeka sy gne tanàny. Ka da nipetraky avy tagny Beri-sheba ka hatragny amè lohasahan’i Hinoma indreo. 31Nipetraky teo alohan’i Geba evakoa gne vahoakan’i Benjamina, 32tagny Mikmasy sy Aia, tagny Betela sy e tanànany, tagny Anatota, Noba, Anania, 33Hazora, Rama, Gitaima, 34Hadida, Jeboima, Nebala, 35Loda, ary Ono, ary e lohasahan’e mpagnano asa tagna. 36E sasany amè Levita izay nipetraky tagny Joda da notindrè tamè vahoakan’i Benjamina.
1Tamin’izany andro izany da novakin-dreo teo ampoto-tsofin’e vahoaky e Bokin’i Mosesy. Hita vosoratry tao amin’izany fa tsy misy Amonita na Moabita tokony hiditry ao amè fengonan’Andriamanitra, mandrakizay. 2Izany da satria tsy avy teo amè zanak’Israely niaraky tamè mofo sy e rano indreo, fa nagnakarama an’i Balama mba hagnazogny gn’Israely indreo. Ndre da izany aza, navadiky gn’Andriamanitra ho fitahia e hozogny. 3Raha vo naharè e lalàgna indreo, da nisoran-dreo tamè gn’Israely gn’olo hafa ferenena agnaby.4Ary talohan’izany io Eliasiba mpisorona io da votendry ho ao amè tragno fihompian’e tragnon’e Andriamanitritsika. Izy da nana fifandresa tamin’i Tobia. 5Nikarakara efitragno fitahira zakabe ho an’i Tobia i Eliasiba, izay nihompian-dreo e fanatitry hohany, e ditin-kazo magnitry, gne kojakoja, sy e ampahafolom-bokatry, divay vaovao, ary e menaky, izay votoka ho an’e Levita, gne mpihira, e mpiamby vavahady, ary gn’anjara ho an’e mpisorona tagny aloha.6Kanefa tamin’izany fotoa izany agnaby da tsy tao Jerosalema iaho. Fa nandeha tagny amè mpanjaka iaho tamè faharoy amby telopolo tao nanjakan’i Artaksersesy mpanjakan’i Babylona. Fotoa kidy tafaran’izay da nangataky alala hiala e mpanjaka iaho, 7ka niverigny tagny Jerosalema. Tena fantako e ratsy izay efa nanin’i Eliasiba tamè nagnomezany an’i Tobia efitragno fiompia zakabe tao amè malalak’e tragnan’Andriamanitra.8Vignitry be iaho ka natorako tagny ambadik’e gn’efitragno fihompia agnaby gn’entan’e gn’avan’i Tobia.9 Nandidy e hagnadiovan-dreo gn’efitragno fihompia iaho, ary nampodiko tao amizay gn’entan’e tragnon’Andriamanitra, gne fanatitry hohany, ary e ditin-kazo magnitry.10Fantako fa mbola tsy nagnoame andreo gn’anjaran’e Levita, ka nilefa indreo, samby nandeha amè taniny agnaby, gne Levita sy gne mpihira nagnano gn’asa. 11Ka nifagnatriky tamè manam-boninahitry iaho ka nagnano hoe: “Nagnino gne naninareo tsinotsino e tragnon’Andriamanitra?” Nalagnoko niaraky ary napetrako tamè toerany io.12Avy eo da ninday gn’ampahafolom-bokatry, e divay vaovao, ary e menaky ho an’e gn’efitragno fihompia e Joda agnaby. 13Nanendry an’i Selemia mpisorona sy Zadoka mpanoratry lalàgna, ary tamè Levita, Pedaia, ho mpitam-bolan’e tragno fihompian’Andriamanitra iaho. Teo agnilan-dreo i Hanana zanak’i Zakora lelahy zanak’i Matania lelahy, fa indreo gne vozaka ho mendrim-pitokisa. Gn’adidin-dreo da gne vatsy ho an’e mpiara-miasa amindreo. 14Tsarovy iaho, ô Andriamanitro, mikasiky izany, ary ka fafà gn’asa tsara izay efa naniko ho an’e tragnon’Andriamanitra sy gne fanompoa an’izany.15Ary tamin’izany andro izany da nahita gne vahoaky tao Joda nagnosihosy famiazam-boaloboky tamè gn’andro Sabata ary ninday salohim-bary ka nampinday enazy tamè borikiny, ary koa divay, voaloboky, aviavy, ary gne karazan-drahà mavesatry agnaby, izay netin-dreo tao Jerosalema tamè gn’andro Sabata iaho. Nanohitry mafy e nivarotan-dreo hany tamin’izany andro izany iaho.16Gne lelahy avy tagny Tyro nipetraky tao Jerosalema da ninday hazandrano sy entam-barotry maro, ary navidin-dreo tamè gn’adro Sabata tamè vahoakan’i Joda sy tao amè tanà io! 17Ary nifagnatriky tamè mpitarik’i Joda iaho hoe: “Ino izao rahà-ratsy aninareo, mandoto e gn’andro Sabata izao? 18Nagnano an’izao me gne razanareo? Tsy Andriamanitra me gne ninday izao ratsy agnaby izao tamintsika sy tamin’ity tanà ity? Androany anareo da minday fahavignira zakizakabe amin’Israely tamè fandotoa e Sabata.”19Raha vantany vo mizy teo amè vavahadin’i Jerosalema talohan’e Sabata, da nandidy e hikatognan’e varangara sy e tsy tokony hihinan’io esanaky hatramign’afaran’e Sabata iaho. Nagnapetraky gn’asasany tamè mpanompoko teo amè vavahady iaho mba tsy hisian’e gn’enta ho afaky indesy miditry amè gn’andro Sabata. 20Nipetraky tagny ambadik’i Jerosalema indray madea koa na indroy gne mpandrato sy mpivarotry karazan’enta agnaby.21Nefa iaho nampitandrina andreo hoe: “Nagnino anareo gne mipetraky ambadik’e lakoro? Raha mbalo mamerigny an’iany anareo, da hikasi-tagna anareo iaho!” Nanomboky tamin’izany fotoa izany da tsy avy tamè gn’andro Sabata esanaky indreo. 22Avy eo nandidy gne Levita iaho mba hagnadio e tagnan-dreo, ary ho avy hiamby gne vavahady, mba hagnamasy gn’andro Sabata. Tsarovy evakoa gn’amizany, ô Andriamanitro, ary mamindrà fo aminahy nohon’e tsy fivadiam-pagnekè anagnanao aminahy.23Tamin’izany andro izany da nahita gne Jiosy izay nanambady gne viavin’i Asdoda, Amona, ary Moaba evakoa iaho. 24Nizaka tamè fizakan’i Asdodita gn’antsasaky e taranakin-dreo. Tsy nisy tamin-dreo nahay nizaka fizakan’e Joda, fa e fizakan’e raiky amè vahoaky hafa raiky avao.25Nifagnatriky tamindreo iaho, ka nagnozagny andreo, namely e sasany tamindreo sy nandrorotry e volon-dreo. Nampagnano vava andreo tamè gn’Andriamanitra iaho, nagnano akoizao: “Anao da tsy tokony hagnome e zanakareo viavy ho agn'e zanakindreo lelahy, na haka ny zavaky vivindreo ho an'e zakareo lelahy, na ho anareo. 26Tsy nagnota amin’eo viavy reo me i Solomona mpanjakan’Israely? Tsy nisy mpanjaka akoy izy tamè firenena maro, ka tian’ny Andriamanitriny izy, ary Andriamanitra nagnano anazy ho mpanjaka nagnaran’Israely agnaby. Ndre da izany aza, nampanotain’e vadiny hafa firenena izy. 27Tokony iteno anao me iahy ka hagnano an’izany ratsy zakabe zany, ka mivadiky amè gn’Andriamanitritsika amè fangalà viavy hafa firenena ho vady?”28Raiky amè zanak’i Joiada lelahy zanak’i Eliasiba mpisorona lelahy da vinanto lahin’i Sanbala Horonita. Noho izany da nampilefainy tamè fagnatrehako izy. 29Tsarovy izy ireny, ô Andriamanitro, satria efa nandoto e fagnanova sorona, sy fagnaken’e fagnanova sorona ary gne Levita.30Akoizany gne nitsahako anazy ireny tamè rahà hafa firenena agnaby, ka nagnapetraky gn’adidin’e mpagnano sorona sy gne Levita, e tsirairay ho samby amè gn’asany agnaby. 31Namatsy tamè fotoa votondro e fanatitry hitay sy gne voloham-bokatry iaho. Tsarovy amè tsara iaho, rô Andriamanitro.
1E zanako, raha mandray gne zakako anao ary raha apetrikinao ao aminao ireo didiko, 2da avelay gne sofinao hitandrigny tsara gne fahendre ary ariragno ho ame fahazava sahy gne fonao.3Raha mikoratsaky ame fahaza say anao ary mizaka mafy ho amin'izany, 4raha mitadia izany mitovy gne hitadiavanao volafotsy anao ary mitadia gne fahazava sahy mitovy gne fitadiava harena misisitry, 5da ho fantanao gne taotry an'i Yaveh ary ho hitanao gne fahalala an'Andriamanitra.6Fa magnome fahendrena i Yaveh, avy ame vavany gne hiaviany gne fahalala sy fahazavana sahy. 7Magnompy gne fahendrena tsara ho an'ireo izay akasitrahany izy, izy no mpiaro ireo izay mandeha ame fahamarigna, 8miamby gne lalany gne mpanao ratsy izy ary hiaro gne lalan'ireo izay matoky Azy.9Da aminizay fatanao gne fahamarina, gne rariny, syvgne tsigny, ary gne lala tsara agnaby. 10Fa hiditra ame fonao gne fahendre, ary hafinaritry gne fagnanao gne fahalala.11Hiaro anao gne fahamalinana, ary hiamby anao gne fahazava sahy. 12Hagnavotra anao ame lalan-dratsy ireo, amin'ireo izay mizaka raha ratsy, 13izay miala gne lalan'e fahamarigna ary mandeha ame lalan'e fahamaizina.14Faly izy ireo rehefa magnano ratsy ary finaritra ame vetavetany gne ratsy.15 Magnaraky lala-meliky izy ireo, ary nampiasa gne fitaky hagnasisifany gne lalany.16Fahendre sy fahamarina gne hagnavotry anao ame viavy salama, ame viavy ratsy tognotogno sy gne zakany midoka. 17Mahafoy gne sakezany fahatanorany izy ary agnadigno gne nagnekeny tame zagnahariny.18Fa gne tragnony mitarika ame fahafatesa aryireo lalany hinday anao ho amin'ireo izay agny ame kobory.19 Izay rehetra miditra ao aminy da tsy hipodyetsanaky ary tsy hahita gne lalan'e fiainana izy ireo.20Da handea ame lalany gne olo tsara anao ary hagnaraky ireo lalany olo-marina.21 Fa ireo mamboatry gne marina no hagnano fipetrahana eo ame tany, ary ireo tsy mivadiky gne hipetraka amin'izany. 22Fa gne ratsy fagnay hofongorogny eo ame tany, ary gne tsy manam-pinoa holotsorina amin'izany.
1E! anaky, raha nanokana gne volanao ho antoko ame findraman'e namano anao, raha nampanategna famindram-bola ho an'e olo tsy fantanao anao, 2da efa nametraky fandrika ho an'e tegnanao tame fampanantenanao anao, ary efa voasingotry gne zakany naloaky gne vavanao.3Raha voasingotry gne zakanao anao, zanako, da amboaro izao ka vonjeo gne tegnanao, satria efa lavo teo agnatrehan'e namanao anao; mandehana ka manetre-tegna ary miangavia eo agnatrehan'e namanao.4K avela hatory gne masonao ary ka avela varivaregny gne hodi-masonao. 5Vonjeo gne tegnanao akôhô gne atsidy egny an-tagnan'e mpihaza, akôhô gne voro eo an-tagnan'e mpamandriky voro.6Hiteo gne vitsiky, olo-malaigny, diniho gne fanaony ka hendre. 7Tsy manana kômandy, mpibaiko, na mpanapaka zy, 8kanefa momory gne sakafony ame fahavaratra ary mandritra gne fararano no hiterizany izay hohaniny.9Mandra-pahovia anao no hatory,raha olo-malaina? Rahovia gne hifohazanao ame torimaso? 10Torimaso kidy, firerirehegny kidy, famoretan-tagna kidy mba hangala havalagna''— 11ary da ho avy akôhô gne mpangalatra gne fahatranao ka gne tediavinao akôhôgne miaramila minday fihadia.12Gne olom-poana—gne oloratsy fagnahy-da miaigny ame fahamelohan'e zakany, 13mipi-maso, manome famatarana ame tombony ary manondro amin'ireo ratsan-tagnany.14Magnano tetika ratsy sy fitaky ao am-pony izy; magnetsiky fifandirana mandrakariva izy. 15Noho izany da hahatratra azy tampoky gne lozany; aoagnatin'e fotoana fohy da ho potika lavitry gne fanasitranana izy.16Misy raha enina halan'i Yaveh, fito izay maharikoriko Azy.17Gne mason'olo mpirehereha, gne lelahy mpavandy, gne tana gne mpandatsaky rà nolo tsy mana-tsigny, 18gne fo mamorogny sain-dratsy, gne tmoky malaky ame fagnamboara ratsy, 19gne vavolombelo izay mamoaky vandy ary magnely ady ame rahalahany.20E zanako, ekeo gne didin'i ihabano ary ka mahafoy gne fanaran-dreninao. 21Fehezo ao ame fonao mandrakariva ireo, fatoro eo am-bozonao ireo.22Raha mandeha anao, da hitari-dala anao ireo, raha matory anao, da hiamby anao ireo, ary raha mifoha anao, da hampianatra anao ireo. 23Fa fanilo gne didy, ary fahazavana gne fampianarana, ireo anatra izay avy ame fampianarana no lalan'e fiainana.24Miaro anao ame viavy ratsy fitomdran-tegna, ame teny malefaky gne viavyratsy fitondran-tegna. 25Aoka gne fonao tsy hitsiriritra gne hatsarany ary aza avela hababo anao ame volomasony izy.26Gne fiara matory ame mpijangajanga da sandainao ame sombi-mofo, fa gne vadin'e hafa da sandainao ame ainao mihitsy. 27Misy olo afaky minday afo eo ame tratrany ve ka tsy maha mahy gne lambany?28Misy olo mavoahitsaky baik'afo mahy ka tsy hivotravotra gne tombony? 29Akoizany avakoa gne lelahy miaraky matory ame vadiny namany, izay miara-mandry ame da tsy ho afa-maina.30Tsy hagnamavo gne mpangalatra gne olo raha mangalatra mba hahafa-po gne tadiaviny rehefa mosare izy.31 Fa raha tratry koa izy, da hanoitry impito hegny izay nangalariny, tsy maintsy mamoy gne raha tsara rehetra ao an-tranony izy.32Izay mirerery da tsy saigny, izay magnano izany da manimba gne tegnany. 33Ratra sy egnatry no mendriky azy ary tsy ho voafafa gne fahafahambarakany.34Fa gne fahasarotam-piaro no mahatezitra gne lehilahy, tsy hampiseo famindram-po izy rehefa mamaly faty. 35Tsy hagneky ognitry izy ary tsy ho voatamby, na da omenao fagnomeza maro aza.
1Na iza na iza tia fagnanarana da tia fahalalana, fa gne dokodoko izay malaigny gne fagnitsiana. 2Yaveh da magnome sitraky gne olo tsara, fa manameloka gne olo izay manao teti-dratsy Izy.3Gne olo da tsy ho tafatombina ame faharatsiana, fa gne olo-marina tsy afaky hofongorona. 4Gne vady mendrika da satro-boninahitry gne vady, fa izay minday hegnatra da akoho gne arety izay maha-lo gne tolany.5Mahitsy gne fikasan'e marigny, fa mamitaka gne toro-hevitry gne ratsy. 6Gne zakan'e olo ratsy fagnahy da otrika mandigny vintana hamonoana, fa gne zakan'e mahitsy koa no maro azy ireo.7Gne olo ratsy fagnahy da fongorinz ary lasa izy ireo, fa gne tragnon'e olo-marina da hijoro. 8Deraina ame hanaroan'e fahendrena hagnany gne olo, fa izay magno safidy da anihy tsinotsino.9Tsara tokotry gne mana toerana tsy manan-danja—mpanompo fotsiny avao—noho gne mirehareha ame fahambonianao Nefa tsy mana hoanigny. 10Gne ooo marigny da mihay gne momba ireo filan'e bibiny, fa na da gne fangoraham-po gne ratsy fagnahy aza da lozabe.11Izay miasa gne taniny da hanagny sakafo be, fa na iza na iza manenjika ireo tetikasa tsy misy dikany da tsy misy saina. 12Gne olo ratsy fagnahy magniry izay nangalarin'e olo-dratsy tame hata, fa gne vokatry gne olo-marigny da avy ame tegnan'izy ireo avao.13Gne olon_dratsy da voafandriky gne resadratsiny, fa gne olo-marina da milefa gne olana. 14Avy ame vokatry gne zakany no maha-feno zava-tsoa gne olona, mitovy gne hamalian'e asan'e tanany soa azy avao.15Gne lalan'e mola da marigny eo imasony avao, fa gne ooon-kendry miteno torihevitra.16 Gne mola da mampiseho gne havignirany am-boalohany, fa izay tsy miraraha faniratsirana no malina.17Izay mizaka gne marigny da mizaka izay rariny, fa gne fijoroana vavokombelona diso mikaza havandesa. 18Gne zakain'izay niresaky an-kamehana da mitovy fagnindroan'e sabatry, fa mindahy fanasitrana gne lelan'e hendry.19Gne molotry marigny da maharitry mandrakizay, fa gne lela mpavande ho an'e fotoana faohy fotsy avao. 20Misy fitaky ao an-pon'ireo izay magnano teti-dratsy, fa hafaliana no avy amin'ireo mpanolo-tsaina fiadagnana.21Tsy misy aretina aby ame olo-marigny, fa gne olo ratsy fagnahy feno olana. 22Malaigny gne molotry mavandy i Yaveh, fa ireo izay miana amim-pahatokiana no sitrany.23Mahafinaritry gne fahalalany gne olo hendry, fa gne fon'e mola kpmihiaka fahamolana. 24Gne tagnan'e majoto da hanapaky, fa gne olo kamo alefa magnao asa an-terivozina.25Gne fanahina ao am-pon'e olo mampitanondrika azy, fa gne tsara Koa maharavo azy. 26Gne olo-marigny da mpitari-dia ho an'e namany, fa gne lalan'e ratsy fagnahy mitariky azy ireo ame lalan-diso.27Gne olo kamo da tsy hagnato gne hazan'izy ireo, fa gne olo mazoto hahazo harena sarobidy. 28Ireo izay mandeha ame lala-marina da mahita fiainana ary tsy misy fahafatesa gne lalan'izany.
1Mahare gne fampianaran'e rainy gne zanaka manakagna, fa gne mpagneso da tsy miteno fahavignirana. 2Avy ame vokatry gne vavany no isitrahan'e olo ireo raha tsara, fa the homan'e mpamitaky da ho an'e herisetra.3Izay mitandrina gne vavany no miaro gne ainy, fa izay misanasana vava da handrava the tegnany avao. 4Gne homan'ireo olo kamo da magniry nefa tsy mahazo na ino nanino, fa gne homan'e olo mazoto da ho afa-po tanteraka.5Ireo olo marina da malahy gne vandy, fa gne olo ratsy fagna da magnano gne tegnany ho marikoriko, ary magnano izay mahamegnatry izy. 6Gne fahamarignana da miaro an'ireo izay tsy misy tsigny ame lalany, fa gne faharatsia mampivadika ireo izay magnota.7Misy olo mampanan-karena gne tegnany, nefa tsy manana na ino na ino mihitsy ary misy olo mahafoy gne raha agnaby, nefa tegna manakarena. 8Gne solo vaikan'e ain'e olo manan-karena da gne harenany, fa gne olo mahantra tsy mahare fampitahorana.9Miravoravo gne hazavan'e olo-marina, fa gne jiron'e ratsy fagnahy da ho vonoina.10 Fifandirana avao no ateraky gne avonavona, fa ho an'ireo izay miteno torohevitry tsara no misy fahendrena.11Hiteno gne harena rehefa be loatry gne zava-poana, fa ilay iray izay mihary vola ame asan'e tagnany da hampitombo gne volany. 12Rehefa mihemotry gne fagnatenana, da mandratra fo izany, fa gne fagniriana tanteraka no hazon'aina.13Izay malaigny gne fampianarana no mbola hiharan'izany, fa izay magnanja gne didy da hahazo valisoa. 14Gne fampianaran'e olo manakagna da loharanon'aina, mangala anao ame fandriky gne fahafatesa.15Gne fitandrema tsara da ahazoana fitia, fa gne lalan'e mpamadika tsy ho tapitra mandrakizay. 16Gne olo malina da mandray gne fanapahan-kevitra rehetra ame fahalalana, fa gne mola da mampiharihary gne hamolany.17Gne iraky ratsy fagnahy ho latsaka agnaty fahoriana, fa gne irakz mahatoky mindahy fampihavanana. 18Izay tsy miraharaha fampianarana hahantra sy ho megnatry, fa gne voninahitry da ho avy amin'izay mianatra ame fanitsiana.19Gne fagniriana tanteraka mamin'e fo, fa gne mola malaigny gne fialana ame ratsy. 20Miaraha lala ame olo manakagna da ho hendry anao, fa gne naman'e mola da hijaly ame ratsy.22Magnejika gne mpagnota gne loza, fa gne olo-marina da omena valisoa ame tsara.21 Mamela lova ho an'e zafiny gne olo tsara, fa gne haren'e mpagnota da voatahiry ho an'e olo-marina.23Gne saha mbola niasan'ireo mahatra da afaky mamokatra hanina maro, fa voafafa ame tsy rariny izany. 24Izay tsy maitsy gne zanany da malaigny azy, fa izay tia gne zanay da mitandrina gne hampianatra azy tsara.25Gne olo-marina da hihinana mandram-pahavokiny, fa gne trokon'e ratsy fagnahy da ho mosare mandrakariva.
1Gne viavy hendry manangana gne tranony, f gne viavy mola mandrava izany ame fagnahy avao. 2Izay mandeha an-pahitsiana da matatry an'i Yaveh, fa izay tsy marina ame lalany da magnano tsinotsino Azy.3Ame vavan'e mola no hiavian'e tsimoky gne fireharehany, fa gne molotry gne hendry hiaro azy ireo. 4Any amin'izay tsy misy biby fiompy no madio gne tarehiny fihinana, fa be gne vokatra mety ho avy ame tanjaky gne aomby.5Gne vavolombelona mahatoky da tsy mavandy, fa gne vavolombelona sandoka mamoaka vandy. 6Mitady fahendrena gne mpaneso fa tsy mahita, fa ho avy mora foana amin'izay manan-tsaina gne fahalalana.7Miala ame olo mola, fantsy hahita fahalalana eo ame molotrony anao. 8Gne fahendrena ho an'e olo Malina da gne mahatakatra the lalany avao, fa gne fahadalan'ireo adala da fitaka.9Magneso ireo adala rehefa voasorona gne fanatitra noho gne heloka, fa voazara eo amin'ireo mahitsy gne fakasitrahana. 10Gne to mahalala gne ngidiny ary tsy misy vahiny mizara the hafaliany.11Ho potika gne tranon'e olo ratsy fagnahy fa handrombona gne lain'e olo mahitsy.12 Misy lalana izay akoho marina eo ame olo, fa gne farany avao no mitarika ame fahafatesana.13Afaky mihomehy gne fo nefa manaitainana ary mety hiafara ame alahelo gne hafaliana. 14Izay tsy mahatoky da hahazo izay mendriky gne lalany, fa gne olo tsara hahazo izay azy.15Izay bado mino gne zavatra rehetra, fa gne olo mailo kosa mieritreritra ireo diany.16 Matahotra gne olo hendry ary miala ame ratsy, fa gne adala kosa manda fampitandremana amin-toky.17Izay malaky vignitry da manao zavatra adaladala, ary gne olo izay magnano teti-dratsy da akahalaina. 18 Gne bado da mandova fahadalana, fa gne olo-kendry ho satrohim-boninahitra ame fahalalana.19Gne olon-dratsy hiankohoka eo anoloan'izay tsara ary ireo izay ratsy fagnahy hiankohoka eo amin'ireo vavahadin'e olo-marina. 20Ankahalaina gne olo-mahatra na da ireo namany avao aza, fa gne olo manan-karena mana-namana betsaka.21Izay mampiseho fanamavoana gne namany da magnota, fa sambatra izay mampiseho fakasitrahana ame mahantra. 22Tsy ireo izay magnano teti-dratsy ve no mandeha ame hevi-diso? Fa ireo izay mikasa gne hagnano gne tsara da hahazo fagnekena mahatoky sy fahamendreham-pitokisana.23Avy ame asa mafy rehetra no hiavian'e tombony, fa raha resaka fotsiny, da mitarika ho ame fahantrana izany.24 Satro-boninahitry gne olon-kendry gne hareny. fa gne adalan'ireo adala mitondra hadalana fanampiny azy ireo avao.25Gne vavolombelona marina manavotra aina, fa gne vavolombelona sandoka mamoaka vandy.26Rehefa matahotra an'i Yaveh gne olo iray, da manana fahatokisana betsaka ame avao izy, ireo zavatra ireo da ho akoho gne toerana fiarovana mafy ho an'izanyy zanak'izany lehilahy izany. 27Gne fahatahorana an'i Yaveh da loharanon'aina, mba hahafahan'e olo miala amin'ireo fandriky gne fahafatesana.28Hita ame habetsaky gne vahoakany gne voninahitry gne mpanjaka, fa raha tsy misy vahoaka da rava gne andriana. 29Gne olo maharitra da manana fahalalana zakabe, fa gne olo malaky vignitry mandratra fahadalana.30Gne fo milamina da aina ho an'e vatana, fa gne fialonana da maha-lo gne taolana. 31Izay mampahory gne mahantra da manozona gne. mpamorona azy, fa izay iray maneho fakasitrahana ame fadiranovana da magnome voninahitry azy.32Gne olo ratsy fagnahy da ahetrin'ireo asa-ratsiny, fa gne. olo-marina da hanam-pialofana na ame fahafatesana aza. 33Gne fahendrena mitoetra ao am-pon'e mahalala, fa na da eo amin'ireo mola aza da avelany ho fantatra gne aminy.34Gne fanaovana izany marina da mandratra firenena, fa gne fahotana da fahafam-baraka ho an'e olo rehetra. 35Gne fankasitrahan'e mpanjaka da miaraka ame mapnompo izay miasa am-pitandremana, fa gne fahavignirany da ho an'izay miasa amim-pahamenarana.
1An'e olo gne fikasan'e fo, fa avy amin'i Yaveh gne gne valin-teny avy ame lelany. 2Madio eo imasony avao gne lalan'e olo rehetra, fa Yaveh no mandaja gne fanahy.3Akigno amin'i Yaveh gne asanao da ho lavorary izay kasainao. 4Nanihin'i Yaveh ho ame antony agnaby gne raha aby, na gne ratsy fagnahy aza da ho ame androm-pahorina.5Yaveh malaigny gne olo rehetra izay manana fo miavonavona, azo antoka fa tsy ho afa-maina iregny. 6Ame tsy fivadiham-pagnekena sy fahamendreham-pitokisana no hagnavota ame heloky ary ame tahatry an'i Yaveh no hialan'e olo ame ratsy.7Rehefa heken'i Yaveh gne lalany gne olo raiky, na gne fahlavalon'izany olo izany aza da anihiny mihava amin'azy.8 Aleoko kidy and fahamarina, toy izay vola be ame tsy rariny.9Ao am-pony no andrafetana gne olo gne lalany, fa Yaveh no mampizotry gne diany.10 Fanapahan-kevitra lalina no eo ame molotry gne mpanjaka, gne vavany da tsy mba hamadiky gne rariny.11Avy amin'i Yaveh gne fandanjana marina, gne lanja rehetra ao ame tranoboky da asany angaby. 12Rehefa magnano raha ratsy gne mpanjaka, da tokony ho zavatra hanihy tsinotsino izany, satria gne seza fidoboany da namboary tame fagnamboara gne marigny.13Finaritry ame molotry mizaka gne marina gne mpanjaka ary tiany gne olo izay mizaka mahitsy. 14Gne fahavigniran'e mpanjaka da iraky gne fahafatesa fa gne olo makagna da hiezaka hampizagnony gne havignirany.15Ao ame fahazavan'e tarehiny gne mpanjaka gne fiainana ary gne fankasitrahany da mitovy ame mika izay minday rikandrom-baratry. 16Hiteo gne hatsaran'e fahazoana fahendrena mihoatry lavitry noho the volamena. Aleo mifidy gne hahazo fahazan-tsaina toy izay volafotsy.17Gne lalam-ben'e olo-marina da miala ame ratsy, izay miaro gne ainy da miamby gne lalany. 18Avy mialohan'e faharavana gne fireharehana ary gne fanahy mieboebo mialohan'e fahalavoana.19Tsara dato gne manendrin-tegna eo amin'ireo olo mahantra toy izay mizara izay nobaboina ame olo mpirehareha. 20Izay rehetra mibanjina izay nampianarina azy ireo d hahita soa, ary izay mitoky amin'i Yaveh da ho voatahy.21Izay manakagna am-po angia hoe mana-tsaina ary gne hamamin'e zaka no mpampivoatra gne fahaizan-mampianatry.22 Gne fahazavan-tsaina da loharanon'aina ho an'izay manana izany, fa gne fampianaran'e mola da gne fahadalany.23Gne fon'e olon-kendry magnome saina gne vavany ary magnapy fandresen-dahatry gne molotriny. 24Tohon-tantely gne zakany mahafinaritry-mamy ame fagnahy ary fanasitranana ho an'e taolana.25Misy lalana izay akoho marina and olo, fa gne fiafarany da lalana mandeha ame fahafatesa. 26Gne homan'e mpiasa no miasa ho azy, gne hanoanany no manosiky azy.27Gne olo tsinotsino da mihady sompatra ary gne zakany da mitovy gne afo mandoro. 28Gne olo ratsy fitondran-tegna magnetsika ady ary gne mpdiniro mampisaraka gne mpianama akaiky.29Gne olo maherisetra da mavandy ame namany ary mampivarigny azy ame lalana izay tsy tsara. 30Izay mipi-maso da mitetika raha ratsy, ireo izay manaiki-molotry da mampandalo gne ratsy.31Gne volo-fotsy da satro-boninahitry, azo ame fiainana gne lala-marina izany. 32Tsara gne tsy mora vignitry noho gne mpiady ary gne olo manapaky gne fanahiny da mahery noho gne olo izay mambabo tanana iray.33Gne filokana da atsipy eo am-pofoana, fa gne fanapahan-kevitra da avy amin'i Yaveh.
1Gne fon'e mpanjaka da rano raraky eo an-tagnan'i Yaveh; ahelikiny egny amin'izay itiavany azy izany. 2Gne lalan'olo rehetra da mahitsy eo imasony avao, fa Yaveh no mandanja gne fo.3Izay magnano gne marigny sy mahitsy da sitrak'i Yaveh agnaby mihoatry gne sorona. 4Gne fiavonavon'e maso sy fireharehan'e fo—gne jiron'e ratsy fagnahy—da fahotana.5Ireo fikasan'e mazoto da mitariky mandeha ame fanambinana avao, fa gne olo agnaby izay mekimeky loatry da avy ame fahantrana avao. 6Gne fihariana harena ame lela mavande da entona mihelina ary fandriky mamono.7Gne herisetran'e ratsy fagnahy da hisintona azy ireo, satria manda gne hagnano izay rariny izy ireo. 8Miolakolaky gne lalan'e olo meloky, fa gne olo izay madio da magnano izay marigny.9Aleo mipetraky eo ame sisin'e tafitragno toy izay miaraky mipetraky ame vady mitadia ady. 10Gne sakaven'e ratsy fagnahy da magniry fatratry gne ratsy, tsy mahita fahatsarana eo ame masony ireo namany izy.11Rehefa faizina gne mpaniratsira, da ho hendry gne kidy loha, ary rehefa agnaria gne olo manakagna, da hihazo fahalalana izy.12 Mandiniky gne tranon'e olo ratsy fagnahy gne olo-marina, mindahy gne olo ratsy fagnahy ho ame loza izy.13Gne olo izay manampina gne sofiny ame fitarainan'e mahantra, da mbola hitaraigny avakoa, saingy tsy hisy hamaly azy. 14Gne fagnomeza ary gne mangingina mampitony gne havignirany ary gne fagnomezena misisitry da mampilefy gne fahatezeran'e mafy.15Rehefa vita gne fitsarana, da minday fifaliana ho an'e olo-marina izany, saingy minday horohoro ho an'ireo mpagnano ratsy izany. 16Izay mirerery miala ame lalan'e fahazavan-tsaina, da hitsahatry ao ame fiangonan'e maty.17Izay tia fahafinaretana da hahantra, izay tia divay sy diloilo da tsy hahan-karena. 18Gne olo ratsy fagnahy da solovaiky ho an'e olo-marina, ary gne olo mpamitaky da vidim-panavotana ho an'e olo mahitsy.19Aleo mipetraky any an-tany efitry toy izay miaraky ame vady mpifandetry sy vignitry.20 Harena sarobidy sy diloilo no ao an-tranon'e hendry, fa gne olo mola koa mandany ireo.21Izay magnano gne marina sy tsara fagnahy—izany olo izany da hahita gne fiainana, fahamarinana, ary voninahitry. 22Gne olo manakagna manaiky gne tanan'ireo mahery, ary mandrodana gne fiarovana mafy izay nitokian'ireo.23Na iza na iza miamby gne vavan'e sy gne lelany da miaro gne tegnany ame fahoriana. 24Gne olo miavonavona sy mirehareha—''Mpaniratsira" no anarany—da magnano fihetsiky feno fiavonavonana.25Gne fagnirian'e kamo da mahafaty azy, satria manda gne hiasa gne tagnany. 26Magniry fatratry mandritry gne tontolo andro izy, fa gne olo-marina da magnome sady tsy kahihitry.27Mahakamo gne sorona avy ame ratsy fagnahy, mahakamo avakoa izany rehefa mindahy izany ame antony ratsy izy. 28Ho. faty gne vavolombelona sandoky, fa gne olo izay miteno da hizaka ame fotoana agnaby.29Gne olo ratsy fagnahy da magnamafy gne endrikiny, fa gne olo mahitsy da matoky ame lalany.30Tsy misy fahendrena, tsy misy fahalalana, ary tsy misy torohevitra afaky mijoro hanohitry an'i Yaveh. 31Gne soavaly nomanina ho ame andron'e ady, saingy an'i Yaveh gne fandresena.
1Aleo misafidy gne laza tsara toy izay be harena ary tsara noho gne volafitsy sy volamena gne sitraky. 2Gne mpanakarena sy gne mahantra da samy managny izany—Yaveh no mpahary azy agnaby.3Gne olo mailo mahita gne loza ka misisitry, fa gne bado kosa mandroso ary mijaly noho izany. 4Gne valisoan'e fanetren-tegna sy fahatahor ana an'i Yaveh da harena, voninahitry, ary fiaianana.5Gne tsilo sy gne fandriky no eo ame lalan'e maditry, fa izay miaro gne ainy da hagnalavitry azy ireo. 6Ampiaro ame zaza gne lalana tokony andehanany ary rehefa zakabe izy da tsy hiala amin'izany fampianarana izany.7Manapaky eo ame ory gne mpanan-karena ary izay mindrana da ho andevon'izay nampindrana. 8Izay mamafy gne tsy rariny da hihila fahoriana ary halazo gne tsorakazon'e fahatezerany.9Izay manana maso be fiantrana da hotahiana, satria mizara gne mofony ame mahantra izy. 10Roahy gne mpaniratsira da ho lasa gne fifandirany, hitsahatry gne ady sy gne fanevatevana.11Izay tia fo madio sy izay mizaka fahasoavana, da hanana gne mpanjaka ho namany. 12Gne mason'i Yaveh da miambina hatrany gne fahalalana, fa gne zakan'e mpamadika da ravainy.13Gne olo malaina magnano hoe: ''Misy liona any an-dalana! Ho faty egny an-kalamanjana aho.'' 14Gne vavan'e janga da lavaky laliny; mihetsiky amin'izay rehetra latsaky ao gne fahatezeran'i Yaveh.15Miraikitry ame fon'e zaza gne adalana, saingy gne tsorakazo famaizana hampiala izany. 16Izay mampahory gne olo mahantra da mampitombo gne hareny, ary ho avy ame fahantrana izay magnome gne mpanan-karena.17Atongilano gne sofinao ary mitenoma ireo zakan'e manakanga ka ampagnakeo gne fahalalako gne finao, 18satria hahafinaritry anao ireo raha tandremanao ao aminao, raha vonona eo ame molotrinao izy rehetra. 19Ho ao amin'i Yaveh noho izany gne fahatokisanao, mampianatry anao izany aho androany—anao da anao.20Moa ve aho tsy efa nanoratry ohabolan'e fampianarana sy fahalalana teolpolo ho anao,21 mba hampiananarana anao gne marina amin'ireo zaka mahatoky ireo, mba hagnomezanao valin-teny mahatoky amin'ireo izay nagniraky anao?22Aza mandrava gne malahelo satria mahantra izy, na manosihosy gne ory eo am-bavahady, 23fa Yaveh no hisolo vava azy ireo, ary izy handrava gne ain'ireo izay nandrava azy ireo.24Aza misakeza ame olo izay fehezin'e fahatezerany ary aza miaraky amin'izay romotry, 25sao anao hianatry gne fanihiny ary hahazo fandriky ho an'e fanahinao.26Aza mety ho isan'izay maninji-tagnana and fiantohana, na mianto-trosa. 27Raha tsy manana haloa anao, inona moa no hahasakana gne olo tsy hangala gne fandriana atorianao?28Aza manakisaky gne vala fahizay izay efa napetraky gne razanareo. 29Mahita olo malaky ame asany ve anao? Hitsangana eo aloan'ireo mpanjaka izy, tsy hitsanga eo aloan'e oko mahazatry izy.
1Aza mialona ireo izay ratsy, na magniry gne hiomona amin'izy ireo, 2satria miteti-dratsy hagnano hirisetra gne fon'izy ireo ary mizaka fahoriana gne molotr'izy ireo.3Ame fahendrena no anangana tragno ary ame fahazavan-tsaina no agnorena azy. 4Ame fahalalana no hamenoana harena sarobidy sy hahafinaritry rehetra ireo efitrano.5Mahery gne mpiadin'e fahendrena, ary gne olon'e fahalalana da mampitombo gne heriny, 6fa ame torolalana hendry no ahafanao miady gne adinao ary amin'ireo mpanolo-tsaina maro no misy fandresena.7Abo loatry ho an'e mola gne fahendrena, tsy manoka-bava eo am-bavahady izy.8Misy olo mitetiky hagnano ratsy—antsoin'e olo hoe tompon'e tetiky izy. 9Gne tetiky gne mola da fahotana ary gne olo da magnano tsinotsino gne mpaniratsira.10Raha avy malemin'e tahotry ame androm-pahoriana anao, da kidy gne herinao.11Avotry ireo izay nalaina hovonoina ary arovy ireo izay mivembena eo ame famonoana. 12Raha mizaka anao hoe:"indro, tsy nahalala na inona na inona momba izany izahy", moa ve ilay izany mandanja gne fo tsy hahatakatry izay zakainao? Ingay raiky izay miamby gne anao, moa ve izy tsy mahafatatry izany? Moa ve Andriamanitra tsy magnome gne tsirairay avy izay mendriky azy?13Ry zanako, mihinana tinteky satria tsara izany, satria mamy gne tinteky mitete ame tohon-tinteky raha andrama. 14Mitovy izany gne fahendrena ho an'e fanahinao—raha hitanao izany, da hisy hoavy ary tsy ho foana gne fagnategnanao.15Aza manotriky akoho gne olo ratsy fagnahy izay manafiky gne tranon'e olo-marina. Aza mandrava gne tragnony! 16Fa lavo impito gne olo-marina fa tafarina avao, fa lavo ame loza gne olo ratsy fagnahy.17Aza mifaly raha lavo gne fahavalinao ary aoka tsy ho ravoravo gne fonao raha tafintohina izy, 18 raha tsy izany da ho hitan'i Yaveh ary tsy ho ankasitrahany ka ho alany aminy gne avignirany.19Aza matahatry noho ireo mpagnano ratsy, ary aza mialona gne ratsy fagnahy, 20 fa tsy mba manana hoavy gne olo ratsy ary gne jiron'e ratsy fagnahy da ho faty.21Matahora an'i Yaveh, ary matahora gne mpanjaka, ry zanako, aza miombona amin'ireo izay mikomy amin'izy ireo, 22fa ho avy tampoky gne loza ho azy ireo ka iza no mahafatatry hoe hatraiza gne faharavana izay ho avy amin'izy roa?23Ireto avakoa ireo zakan'e manakagna. Tsy tsara fiantrana ame fitsaran-draharaha ame lalana.24Na iza na iza mizaka ame ratsy fagnahy hoe: ''Olo-marina anao," da ho ozonin'ireo vahiaka ary ho hakan'ireo firenena. 25Nafa ireo izay manafay gne ratsy fagnahy da hahazo sitraky ary ho avy amin'izy ireo gne fagnomezan-tsoa.26Gne olo izay mamaky amin-kitsim-po da manoroky eo ame molotry.27 Omano gne asanao agny ivelany, ary amboaro vonona ho anao agny an-tsaha gne zavatra rehetra, afaran'izay, da amboary gne tragnonao.28Aza mijoro vavolombelona hanohitry gne mpiara-belona aminao ame tsy Antony ary aza mamitaky ame molotrao. 29Aza mizaka hoe: "Ho aniko aminy izay efa namboarin'i tamiko; ho valiako aminy araka izay efa nataony."30Nandalo tegny an-tsahan'e olo kamo aho, niserana tame tanim-boaloboky gne olo tsy misy saina. 31Magniry zaka rehetra tegny gne tsilo, rakotsy gne amiana gne tany, ary ireo vaton'e manda da rava.32Da nahita aho is nissina izany; nijery aho ka hahazo anatry. 33Haka torimaso keky, faharendrehana kidikidy, tohon-tanana kidikidy mba hitsarahana— 34da ho avy hagnitsaky anao gne fahantrana, ary ireo tadiavinao da ho akôhô gne miaramioa mirongo fiadiana.
1Gne zakan'i Agora zanak'i Jake—fampitana: nitory tamin'i Itiela io lehilahy io, tamin'i Itiela sy Okala: 2Akôhô gne biby tokotry aho mhoatry gne olo ary tsy manana gne fagazavan-tsain'e olobelo aho. 3Tsy nianatry fahendrena aho, na manana gne fahalalana ilay iray masina.4Iza no niakatry sy nidigny tagny an-dagnitry? Iza no nandagno gne rivotra tegny an-tanany? Iza no navoangona gne rano teo ame lambany? Iza no agnarany, ary iza no agnaran-janany? Fantatrao tokoa izany!5Voazaha toetra agnaby gne zakan'Andriamanitra, ampinga ho an'ireo izay mialoky aminy izy. 6Aza magnampy ame zakany, sao ho faiziny anao, ary ho voaporofo fa mpavande.7Zavatra roa no angatahiko aminao, ary aza mihazona ireo mialohan'e hahafatesako: 8Alaviro ahy gne zava-poana sy gne vandy. Aza omena ahy na gne fahantrana na gne harena, fa omeo ahy fotsiny gne hanina izay ilaiko. 9Fa raha manana be loatry aho, da mety handa anao ka hizaka hoe: "Iza moa Yaveh?" Na raha avy mahantra aho, da mety hangalatry ka handoto gne agnaran'e Andriamanitra.10Aza magnendrikendrika gne andevo eo agnatrehan'e tompony, sao hanozona anao izy ary ho voatana ho meloky anao.11Misy taranaky manozongozona gne rainy sady tsy misaotry gne reniny. 12Misy taranaky madio eo imasony avao, kinanjo tsy voasasa tame lotony akory.13Misy taranaky mandratry gne masony, ary endrey gne fisandratan'e hodi-masony! 14Misy taranaky gne antsy, mba handrapahany gne mahantra hiala ame tany ary gne ory tsy ho eo ame zanak'olombelo.15Gne dinta manan-janaka vavy roa: "Omeo, omeo" hoy gne fihiakiakany. Misy zavatry telo izay tsy mety afapo, efatry izay tsy mba mizaka mihitsy hoe: ''Ampy izay": 16da gne fiainan-tsy hita; gne kibo momba, gne tagny tsy vonton-drano; ary gne afo no tsy mba mizaka mihitsy hoe: "Ampy izay!" 17Gne maso izay maniratsira gne ray sady mandrabiraby gne fankatoavana gne reny, ho tsaingohan'e goaiky agny an-tsaha gne mason'izany, ary ho lanin'e volotoro izy.18Misy zavatra telo izay mahagaga loatry ho any, egny efatry izay tsy takatro: 19gne lalan'e voromahery egny an-dagnitry, gne lalan'e bibilava egny ame vatolampy, gne lalan'e sambo egny ategnategnany ranomasy; ary gne lalan'e lehilahy miaraky ame tovovavy.20Izao no fomban'e viavy janga: mihinana izy ka mamafa gne vavany ary mizaka hoe: ''Tsy magnano ratsy aho."21Mihovitrovitra eo ambanin'e zavatra telo gne tany,ary ambanin'e zavatry efatry no tsy zakany:22 da gne andevo raha avy mpanjaka, gne mola raha voky hanina, 23gne viavy ankahakainz raha ampakarina; ary gne mpanompo vavy raha maka gne toeran'e tompo vaviny.24Zavatra efatry eto an-tany no kely kanefa hendry tokoa: 25gne vitsiky da voahary tsy matanjaky, kanefa magnomana gne sakafony ame fahavaratry izy ireo; 26gne hiraky gne vato da tsy voahary mahery, kanefa magnano gne fonenany agnaty vatolampy.27Gne valala da tsy manana mpanjaka, kanefa mirindra milahztra tsara gne diany.28 Ary gne ame antsaiantsy, da azonao hazonina ame tagnao roa izany, kanefa da hita agny amin'ireo lapan'e mpanjaka.29Misy zavatra telo izay tsara famindra ary efatry izay tsara gne fomba fandehany: 30gne liona, izay mahery indrindra amin'ireo bibidia- tsy miery ame inon na inona izany; 31gne akoholahy mpiady; gne osilahy; ary gne mpanjaka izay eo agnilany gne miaramilany.32Raha mola anao, nanandran-tegna, na raha namisavisa ratsy—da anio eo am-bavanao gne tagnao. 33Gne fanontsankontsakonana gne ronono no mahatonga ronono mandry ary toy gne fivoahan-dra ame oron'e olo raha ahodikodina izany, da toy izany koa gne asa atao amin-katezerana da miteraky ady.
1Ireo zakan'e Lemoela mpanjaka—anatry nampianarin'e reniny azy. 2Inona, ry zanako? Inona, ry zanako? inona izany, ry zanaky gne kiboko? Inona no tadiavinao, ry zanaky gne voadiko? 3Aza omena gne viavy gne herinao, na gne lalanao ho an'ireoizay mamotiky gne mpanjaka.4Izany da tsy ho an'e mpanjaka, ry Lemoela, tsy ho an'ireo mpanjaka gne fisotroana divay, na koa ho an'e mpanapaky mba hanontany hoe: ''Aiza gne zava-pisotro mahery?" 5Fandrao hadinoin'izy ireo izay efa voadidy, ary hamadika gne marina ho ame fahorianarehetra.6Omeo zava-pisotro mahery gne olo izay efa ho faty ary divay ho an'ireo agnaty fahorina. 7Hisotro izy ary hagnadino gne fahantrana ary hahatsiaro gne fahoriany izy.8Mizaka ho an'ireo izay tsy afaky mizaka, ho an'e adin'izay rehetra efa ho faty. 9Mitenena mafy kamitsara araky gne rariny ary misoloa vava ho an'e olo mahantra sy ory.10Iza no afaky mahita viavy mahavita azy? Gne lanjany da mihoatry lavitry noho gne firavaky.11 Gne fon'e vadiny mitoky aminy, ary tsy hahantra mihitsy izy. 12Magnano zavatra tsara androm-piainany rehetra.13Misafidy volon'ondry sy rongony izy, ary miasa an-kafaliana ame tagnany. 14Mitovy ireo sambon'e mpagnano raharaham-barotry izy, avy lavitry no indesany gne sakafony. 15Mifoha izy raha mbola alina ary magnome hanina ho an'e ankohonany, ary mizara gne asa ho an'ireo mpanompo vaviny.16Izy no mandiniky gne saha ary mividy izany, ame vokatry gne tagnay no amboleny voaloboka.17 Mampitafy hery gne tegnany izy ary mampatanjaka gne sandriny.18Mahafatatry izay mety ho tombony tsara ho azy izy, mandritry gne ariva tontolo gne jirony da tsy maty.19 Apetrany eo ame ampela gne tagnany, ary tazominy gne fihazonam-bohavoha.20Magnatsotry gne tagnany ame olo ory izy, magnatsara gne tagnany ame olo mahantra izy. 21Tsy matzhotry oram-panala ho ame ankohonany izy, satria gne ankohonany rehetra da mitafy volon'ondry mena.22Manamboatry firakotry ho an'e fandriany izy, ary miakanjo fitafy rongony manify volomoarasy. 23Gne vadiny no fantatra ao ame vavahady, rehefa mipetraky miaraky ame loholon'e tany izy.24Magnamboatry ankanjo rongony fotsy izy ary mivarotry ireo, ary namatsy samboady ho an'ireo mpivarotry izy. 25Misiky gne hery sy gne voninahitry izy, ary mihomehy ame fotoana ho avy izy.26Manokatry gne vavany ame fahendrena izy ary eo ame lelany gne lalan'e hatsaram-pagnahy. 27Miambina gne lalan'e ankohonany izy ary tsy mihinana gne mofon'e fahalainana.28Mitsangana gne zanany ka miantso azy hoe voatahy, ary midera azy gne vadiny, magnano hoe: 29Maro gne viavy efa hagnano gne tsara, saingy mihoatry azy rehetra anao."30Fitaky gne fahatsarana, zava-poana gne hatsaran-tarehy, fa gne viavy matahotry an'i Yaveh, da ho deraina izy. 31Omeo azy gne vokatry tagnany ary aoka gne asany hideraazy egny ame vavahady.
1Ireto gne tenigne Mpitoritegny, gne tarak'i Davida sy gne mpanjakan'i Jerosalema. 2Gne Mpitoriteny nizaka hoe: ''Akoie setroke zavo, akoie tsioke rivotry, gne fajavogne raha aby, mametraky fagnotania maro. 3Ino gne tombon-tsoa azon'olom-belo avy ame gn'asa nivalahany aby t'ambany masoandro?4Gne taranaky raiky lasa, da gne taranaky raiky hafa avy, kanefa gne tany mipetraky mandrakizay. 5Miposaky gne masoandro, sady miletiky iza da meky gn'ipody ame toera niposany indraiky. 6Mifofofo megn'atsimo gne rivotry da avy ao miodigny megn'avaratry, mandeha miodigny ame lalany evao da avy eo mbola igny evakoa gn'ipodiany.7Gne rano madeha da mivarigny agny an-dranomasy, fa gne ranomasy tsy mba mety feno. agy ame toera handianane rano, gn'andihanan'iza evakoa. 8Lasa mandreraky gne raha aby, sady tsy misy afaky magnazava an'iza. Gne maso tsy afa-po ame raha itany, na gne sofy da tanteraky ame reny.9Gne raha efa teo da mbola ho eo evao, sady gne raha efa vita gne mbola anigny. Tsy misy raha vaovao ambany masoandro ety. 10Misy evakoa mesa gne raha mety zakay hoe: ''Ity, da raha vaovao? Gne raha misy d'efa nisy hatramign'ela, nandrindre tao t'aloatsika gne neviany. 11D'akoigne tsy misy mahatadidy igny ireo raha gn'efa nitranga tame fotoa efa ela, sy gne raha nitrangna vô t'akeky sady gne raha mbola hitranga agn'oavy da tsy ho tadidy koa.''12Iaho gne Mpitoriteny, sady efa mpanjaka t'am'Israely tagny Jerosalema. 13Nampiasa gne saiko iaho mba hianatry sy hitadia ampahendregny gne raha efa nanigny t'ambone tany aby. Iza fitadiava iza da asa mavesatry nomene Zagnahary mba hikofoany.14Efa hitako evakoa gn'asa efa nanigny t'ambany masoandro aby, da igny, izy aby reo da setroky miavosa sy fikasà gn'hanambotry gne rivotry evao. 15Gne meliky da ts'ahitsy etsanaky! Gne tsy avy da tsy ho azo isay!16Nizaka t'apoko iaho hoe: ''Io, iaho da nahazo fahendrè zakabe nohone taloha tagny Jerosalema. Gne saiko da nahita fahendre sy fahalala zakabe.'' 17Da nampiasa gne foko iaho mba halala fahendrè sy fahavereza-say sady hamolà evakoa. Avy iaho mba hatakatry gne fikasà hanoitre rivotry evakoa. 18Fa ame fitosahane fahendrè gne mampisy fizalia be, sady gne mampombo fahalala da mampitombo halahelo.
1Hoy iaho t'am-poko hoe: ''Magnàtogna am'izao, hitsapa anao ame hafalia iaho. Da tiavo gne fahafinareta.'' 2Fa igny, tsioke-rivotry mandalo evao iza. Hoy iaho tame fimeheza hoe: ''Fagnamola iza,'' sady tame fafinareta hoe: ''Ino gn'ilà an'iza?''Nizaha gne t'ampoko tao iaho hoe akory gn'ahita fafinareta ame dovay. Apetrako tarine saiko ame fahendre iaho ndre da mbola vôtazo tame gn'adalà evakoa iaho. T'ahita gne tsara ho anign'olo mba hanigny ety ambany lagnitry iaho mandritry gn'andro hiaignany.4Nagnatanteraky raha zakabe iaho. Nagnatsanga tragno ho anah iaho sady namboly tame tanine vôloboky evakoa iaho. 5Nagnambôtry vala sy fambolea ho ane tegnako iaho; namboly karazan-kazo azo hany aby iaho. 6Namorogny farihin-drano mba hamatsia rano gn'ala gne nitomboane gn'hazo iaho.7Novidiko gn'andevo lelahy sy andevo viavy teraky t'an-dapako iaho. Nana aomby sy ondry miarak'osy maro evakoa iaho, mbola maro nohone gn'ane mpanjaka nandidy tao aloako tao Jerosalema. 8Nandagno volafotsy sy volamena, gn'harene mpanjaka sy gne faritany hoane tegnako evakoa iaho. Nana mpihira lelahy sy viavy ho ane tegnako manokagny iaho—gne fahafinaretane zanak'olombelo—da vady kidy maro. [Fagnamariha: gne dikane zaka tafara taty nadika gne tapany farany tam'ity andininy ity tame fomba samihafa: ''Gne raha tiàn'olo aby.'' Gne vady kidy sy gne nahafinaritry gn'olo aby.]9Da lasa zakabe sy mpanakarena mihôtren'ireo t'aloako tao Jerosalema iaho, sady gne fahendreko nipetraky taminah. 10Ndre ino ndre ino nirine masoko, da tsy notazomiko tamindreo. Tsy nitazo gne foko tame fahafinareta aby iaho, satria gne foko da nifaly tamign'asako aby sady gne fafinaretane valisoako tamign'asako aby.11Da nagnety gn'asa vitane tagnako aby iaho, sy gn'atsemboa naniko, fa gne raha aby da setroky sy fikasa honoitre rivotry indraiky iza. Tsy nisy tombo-tsoa tame tam'iza t'ambanine masoandro tety. 12Avy teo da nitodiky iaho mba handiniky gne fahendrè, sady koa gne fahavereza-say sy gne fahamolà. Fa ino gn'azone mpanjaka ho avy handimby gne mpanjaka anigny, gne mbola tsy tanteraky?13Da nanomboky nihamazava tame saiko fa gne fahendrè da ahazoa tombony evao nohone gn'amolà, da akoigne fahazavà evakoa nohone mizy. 14Gn'olo hendry da mampiasa gne masony eo ame loany mba hagnety gne lala andihana, fa gne mola da mandea ame mizy, ndre da fantako fa lahatry mitovy evao nohonign'olo aby.15Da hoy iaho t'ampoko hoe: ''Gne mahazo gne mola, da ahazo anah evakoa. Da ino gne maha-samafa an'iza raha ho tena hendry iaho?'' Da nitazomiko t'ampoko tao hoe: ''Da setroky fotsiny evao ity.'' 16Fa gn'olo hendry, akoigne mola, da tsy ela tadidy evao. Ho avy gn'andro hagnadinoatsika gne raha aby. Gn'olo hendry da maty akoigne mahafaty gne mola.17Da nalaigny gne fiaina iaho satria gn'asa efa vita t'ambany masoandro da ratsy taminah. Izà satria gne raha aby da setroky sy fikasà hanoitre rivotry. 18Halako evakoa gn'asa nireràko satria da tsy maintsy magnapetraky an'iregny agny afara iaho ho ane lela ho avy magnarak'enah eo iaho.19Fa ia gne mahalala na olo-kendry izy na olo mola? Izy nefa da ho tompone raha magneragn'ambany masoandro gne natsamgane gn'asa nivalako sy gne fahendreko. 20Noho iza da namoy fo tame gn'asa aby naniko t'ambany masoandro iaho.21Fda misy gn'olo mety miasa mafy ame fahendreny, ame fahalalany ho ane lelah tsy magnano ndre raiky tam'ireo gne raha hanagnany aby. Iza koa da setroky sy loza zakabe.22 Fa ino gne tombotsoa azon'olo miasa mafy sy miezaky magnano ame fony gn'asany ambany masoandro sa?23 Isan'andro da maharary sady mampiady say gn'asany, da tsy mahita fitsarà gne fagnahiny amign'hariva. Iza koa da setroky.24Tsy misy raha tsara amign'olo mihôtre homa sy minindrano fotsiny sady afa-po tsara amign'asany. Da nahita iaho fa avy ame zakane Zagnahary iza marigny iza. 25Fa ia gn'afaky hihina na ia koa gn'afaky hàna fafinareta isa-karazany akotre gn'avy ame Zagnahary?26Fa gne mahafay Anazy, da homene Zagnahary fahendrè sy fahalala sady fifalia. Kanefa, da gne mpanota da omeny asa fandagnona sy fiopia mba hafany magnome en'iza ho an'olo mahafaly gne Zagnahary. Iza koa da agnisane setroky sy fikasà hanoitre rivotry.
1Misy ratsy efa hitako t'ambny masoandro, sady mafy ho ane gn'olo iza. 2Mety hagnome fanagna, harena, sady voninahitry ame gn'olo raiky gne Zagnahary mba tsy ho sahira ndre ino ndre ino tsiriritiny ho ane tegnany izy, saingy Zagnahary tsy hagnome fahefa anazy mba hitiavany an'iza. Fa kosa, misy olon-kafa mampiasa ireo zavany. Tsisy raha iza, fijalia ratsy.3Raha misy lelahy mana zanaky an-jatony sy miaigny tao maro, mba ho maro gn'androne taony, fa raha tsy afa-po ame tsara gne fony sady tsy alevigny am-boninahitry izy, da hoy iaho hoe gne zaza maty t'am-pitera da tsara tsara nohon'izy. 4Ndre da teraky ame tsisy dikany aza gne zaza akoiza sady maty ame mizy, da mipetraky ho fanafia gn'agnarany.5Ndre da tsy mahita gne masoandro io zaza io ndre tsy mahafantatry ndre ino ndre ino, da mana fitsara mihôtry noho iza lelahy iza izy. 6Ndre da tokony hiaigny roy arivo tao aza gn'olo nefa tsy mianatry makafy gne raha tsara, da mandeha agny ame toera mitovy akoign'olo hafa aby izy.7Gn'asan'olo aby da ame vavany, nefa tsy mbola afa-po haniny. 8Eka dato, ino gne tombon-tsoa anagnan'olo-kendry ame mola? Ino gne tombon-tsoa anagnane mahatra ndre da mahafatatry gne fomba fihetsike gn'olo hafa marikitr'enazy izy?9Tsara dato gn'afa-po ame hitane masony nohone magniry gne tadiavine homa mandehandeha, nefa setroky sy fagnandrama hanoera gne rivotry evakoa. 10Gne raha nisy d'efa nomè gn'agnarany aby, sady efa fatako hoe akoign'ino gn'olombelo. Noho iza da lasa tsy misy dikany gne mifamaly ame mpitsara mafine raha. 11Arakarake gn'amarone vôzaka, gn'itomboane raha-tsisy didany, da ino gne tombon-tsoan'iza amign'olo? 12Fa ia gne mahalala gne tsara ho ane gn'olo eo ame fiainany mandalo, gn'andro vôisa hiaignany akoigne tandilo? Ia gn'afaky mizaka amign'olo gn'ame ho avy egny ambany masoandro aby rehefa mandalo izy?
1Gne laza tsara da tsara evakoa nohone rano magnitry lafo vidy, sady gn'andro hahafatesany da tsara evakoa nohone gn'andro hahafatesany. 2Tsara evakoa gne mandeha any amin'ny trano fisaonana noho gne mandeha agny ame tragno fifalia, satria gne fahoria da avy ame gn'olo aby ame farane fiaina, da tokony ho resin'olo am-po iza.3Gn'alahelo da tsara evakoa nohone gn'afalia, fa afarane gn'endriky gn'alahelo gn'eviane gn'afaliane fo. 4Gne fone gn'hendry da an-tragnone gn'alahelo, fa gne fone mola kosa da an-dragnone firavoravoa.5Tsara evakoa gne miteno gne zaka mafine gn'hendry nohone miteno gn'hirane mola. 6Fa akoigne fipôkine tandroky miretry ambany volagny, da akoiza koa gne fihezane mola. Iza ekoa, da tsisy dikany.7Gne fangala an-keriny da azo atoky fa maha mola gn'hendry, sady gne kolikoly da manimba gne fo.8Tsara evakoa gne fefarane raha raiky nohone fetomboany; sady gn'olo maharitry aram-pagnahy da tsara evakoa nohone mirehareha aram-pagnahy. 9Ka mora vignitre fagnahinao, satria gn'avognira da mizano am-pone mola.10Ka mizaka hoe: ''Nagnino gn'andro taloa gne tsara nohone gn'amizao?'' Fa iza da tsy da tsy nohone fahendre raha magnotany io fagnotania io enao.11Gne fahendre da tsara nohone raha misy dikany gne nolovaitsika avy tame razambetsika. Iza da minday tombotsoa ho ane mahita masoandro. 12Fa gne fahendre da minday ferova akoigne vola gn'afa minday fiarova, saingy gne tombotsoane fahalala da gne magnome fiaina ho ane mana anazy gne fahendre.13Dinio gn'asane Zagnahary: Ia gn'afaky magnitsy gne naniny meliky?14Rehefa tsara gn'andro, da miègna ame fifalia amign'atsaran'iza, fa rehefa raty gn'andro, da dinio gne momba an'ity hoe: Zagnahary d'efa namela anazy roy hiaraky. Noho iza antony iza, da tsy misy mahita gne raha mitranga agny afara agny aby.15Efa nahita raha maro iaho nandritre gn'andro kidiko. Misy gn'olo-marigny gne maty ndre da eo gne fahamarignandreo, sady misy gn'olo ratsy fagna da ela velo ndre da eo gn'aratsiandreo. 16Ka magnamari-tegna, hendry eo amasonao. Nagnino gne tegnanao tokony simbanao?17Ka ratsy fagna ndre magnano sary mola lôtry. Nagnino enao gne tokony ho faty aloane fotoanao? 18Tsara raha mitazo io fahendre io enao, sady tsy tokony hagnapetraky gne fahamarigna handeha. Fa gn'olo malia gne Zagnahary da haita gn'adidiny aby. [Fagnamaria: raha tokony hoe: ''Haita gn'adidiny aby,'' misy ame dikane zaka tafara taty gne sasany mana fandika hafa an'ity an-dalasoratry sarotry ity.]19Mafy gne fahendre ao amign'olo-kendry, miôtry gne sefo folo ao ame tanà raiky. 20Tsy misy olo-marigny magnano tsara sy gne tsy mbola nanota izany mihitsy t'an-tany tetoa.21Ka miteno gne zaka efa vôzaka, satria mety haharè gne mpanomponao hagnozogny anao enao.22 Da akoiza evakoa enao, da mahafatatry fa efa nagnozogny matetiky gn'hafa t'am-ponao manokagny enao.23Iregny raha aby iregny d'efa vôporofoko tame fahendre. Hoy iaho hoe: ''Ho hendry iaho,'' saingy nihôtry gne tokony ho izy iza. 24Gne fahendre da lavitry sy laly. Ia gn'afaky haita an'iza? 25Nagnova gne foko mba hianatry sy handiniky sady hitadia gne fahendre sy gne fagnazava gne raha-misy iaho, sady hatakatry fa mola gne ratsy sady gne mola da fiverezane say.26Hitako fa mafaitry evakoa nohone fahatesa gne viavy gne feno fandriky sy harato gne fony, sady misy rozy vy gne tagnany. Ndre ia ndre ia misaotre Zagnahary da ho afaky aminazy, fa gne mpanota vakoa da ho lasany.27''Dinio gn'efa hitako,'' hoy gne Mpitoriteny. ''Nagnampy vokam-pikaroa raiky tame hafa iaho haita fagnazava gne raha-misy. 28Iza gne mbola tadiaviko, saingy tsy hitako iza. Tsy nahita olo-marigny raiky tame gn'arivo iaho, sady tsy nahita viavy raiky tamindreo aby reo iaho.29Ity evao gn'efa hitako: fa gne Zagnahary da namorogny gn'olombelo ho mahitsy, saingy nandeha nitadia fasahiragna maro indreo.''
1Tsarovy evakoa gne Mpahery anao amign'amdrone fahatanoranao, aloane gn'eviane gn'andro sarotry, sady aloane gn'eviane tao hizakanao hoe: ''Tsy mana fakasitrà andreo iaho,'' 2anio iza raha mbola tsy mizy gn'azavane masoandro sy gne vola da gne kita, sady da mbola tsy mipody gne mika mity afarane rikandro.3Am'iza fotoa iza da mangitakitaky gne mpiamby gne lapa, sady bororo gne lelahy mafy, sady mijano gne viavy mandisa satria kidy indreo, sady gne mitsijo ame varangara kely da tsy mahita tsara etsanaky.4Ame fotoan'iza da mitolaky gne farangara ame lala egny, sady mijanogny gne feone fagnofàm-bary, ho taitre feone voro gne lalahy, sady malazo gne fihiràne zaviavy.5Am'iza fotoa iza da manomboky malia gn'ahabony sy gne loza an-dala egny gne lelahy, sady mamogny gn'hazo amygdala, sy miaraky mifapitariky gn'apanga, sady da tsy mandaitry gne fagniria voajagnahary. Mandeha agny ame tragnony mandrakizay gne lelahy sady midigny agn'arabe gne mpisaogny.6Tsarovy gne Mpahary anao aloany gn'ahatapane tady volavotsy, ndre hahavaky gne lasety volamena, ndre haharatsy ratsy gne sehoa ame loatao, ndre hahatapake lalan-drano eo ame ranobôky, 7raha mbola tsy nipody ame tany gne neviane vovoky, sady gne fagna mipody ame Zagnahary gne nagnome en'iza.8''Gne setro-ke savo,'' hoy gne Mpitoriteny: ''Zava-pôna da zava-pôna gne raha aby.'' Gne Mpitoriteny ga hendry sady mana mpianatry fahalala gn'olo izy. 9Nianatry sy nandiniky sady nandaminy ohabolagny maro izy.10Gne Mpitoriteny da nitadia gne hanoratry fapesa mazava tsara, zaka mahitsine fahamarigna. 11Gne zakane gn'olo-kendry da akoigne pokira. Akoigne fatsiky naletiky tsara gne zakane tompo ao ame fandagnona ohabolandreo, gne nampenarine mpiandry ondry raiky.12Zanako, mahafatatry raha maro maro evakoa: gne fagnambora boky maro, gne tsisy fefarany sady gne fianara be da be minday fahavalà ho ane vata.13Efa reny gne fefarane raharaha afarane raha-aby, da tsy maitsy mataotry gne Zagnahary enao sady mitandrigny gne didiny, fa iza gne gn'andraikitre gn'olombelo aby. 14Fa gne Zagnahary hinday gn'asa aby ho ame fitsara, hatragn'ame raha misitriky aby, na tsara na ratsy iza.
11-Tsara avao fa tsy mahay magnambôtry rano gne lohako na gne masoko ! Fa ihao da te hitomagny isan’andro tame famonoa gne zanak’e namako viavy, tsy andro, tsy aly.22-Raha misy olo tsara fagnahy kà hagnome totry gne vahiniko ipetrany agny ame tany maty agny, da mandeha aho miala an’itoa havako toa. Ta hiala andreo aho satria leo ame fombandreo mpamangovango sady mpamitaky ! 33-Efa nizaka gne Zagnahary hoe : ‘’ efa ame lelandreo gne havandesa, kanefa tsy aindreo fa tsy gne herindreo gne mapatajaky endreo. Tsy misy raha tsara vintandreo, fagnà tsitalala tsanagna hasy gne hifatoany. Tsy mahalala gne mikasiky Enà indreo hoy gne Zagnahary. 6-Ndre gne totrinareo da revo ame havandesa sy gne famitaha olo, tsy nisy taminareo gne nagneky enà fa da nandà datò".
11 Gne zaka izay avy tame Jeremia avy amin'i Yaveh rehefa nandefa an'i Pasora zanaka lahin'i Malika sy i Zefania zanaka lahin'i Mahasela mpisorona tany aminy Zedekia mpanjaka. Da hoy izy ireo taminy: 22"Mangataka hevitra amin'i Yaveh ho anahy, fa manangana ady aminay i Nebokadnezara mpanjakan'i Babylona. Hanao ireo fahagagana ho anahy angamaba Yaveh, akoho gne tame andro taloha, ka ampiala azy eo aminahy.
11 Ary i Zedekia zanaka lahin’i Josia, da nanjaka tame toeran’i Jekonia zanak’i Joiakima. Nebokadnezara mpanjakan’i Babylona gne nanao an’i Zedekia ho mpanjaka teo ame tanin’i Joda. 22 Fa i Zedekia, ireo mpanompony, tsy miteno gne tenin’i yaveh izay nambarany tame alalan’e tanan’i Jeremia mpaminany.1414 Nefa hoy i Jeremia: tsy marina izany. Tsy milefa ireo Kaladeana aho. Fa tsy nihaino azy i Jiria. Nalain’i Jeremia ary netiny tao ame manam-pahefana. 1515 Vignitry tamin’I Jeremia ireo manampahefana. Novangoin’izy ireo izy ary nampidirina tao andragnomizy, izay tranon’I Jonatana mpanora-dalan, satria navadik’izy ireo ho tragno mizy izany.
1Efa lasa maloto gne volamena; endrey gne fiovan'e volamena madio indrindra! ireo vato masina da niparitaky tegny an-joron-dalana rehetra. 2Ireo zanaka sarobidin'i Ziona da mendriky gne lanjan'izy ireo ame volamena madio, fa amin'izao izy ireo da tsy mendriky noho ireo siny tanimanga, asa-tanan'ireo mpagnety tanimanga izy ireo!3Na gne amboahaolo aza manolotry gne tratrany mba hampiononoana ireo zanany, nefa gne zanakavavin'e oloko da efa lasa lozabe, akôhô gne ostritsa agny ame tagny efitry4Gne lelan'e zaza minono da miraikitry ame lanilaniny noho gne hetaheta; mangataky sakafo gne ankizy, saingy tsy misy ho azy ireo.5 Ireo izay nihinana sakafo lafo vidy amin'izao da mosarena egny an-dalana, ireo izay nobeazina nisitry ankajo volomparasy, da mandry egny ame fako misavoana amin'izao.6Gne famaizana gne zanakavavin'e oloko da zakabe noho gne an'i Sodoma, fa noravana tao agnatin'e fotoana fohy izany ary nisy nanandran-tagnana mba hagnamoy azy.7Ireo mpitariky azy da nadio kokoa noho gne oram-panala, fotsy kokoa noho gne ronono; gne vatan'izy ireo da mena midorehitry noho gne haran-dranomasina, gne tegnan'izy ireo da akôhô gne safira. 8Gne endrik'izy ireo amin'izao da mizy noho gne molaly, tsy fantatry egny an-dalana izy ireo. Gne hoditr'izy ireo da miraikitry tame tolan'ireo; lasa maina toy gne hazo izany.9Ireo izay novonoy tame sabatry da sambatry tokôtry noho ireo izay matin'e mosary, izay osa, notso lefo tame tsy fahampian'e vokatry avy agny ankoraky. 10Gne tagnan'ireo viavy malemy fagnahy da efa nahandro ireo zanany avao, lasa sakafon'izy ireo nandritra gne fotoana nandravana gne zanakavavin'e oloko izy ireo.11Nahare gne havignirany rehetra i Yaveh, nandatsaky gne fahavignirany masiaky Izy. Nandrehitry afo tao Ziona mba handevonana gne fiorenany Izy.12Tsy nino ireo mpanjakan'e tany, ary tsy nino gne mpojinin'izao tontolo izao, fa afaky niditry tamin'ireo vavahadin'i Jerosalema ireo fahavalo na mpanohitry. 13Nitranga izany noho gne fahotan'ireo mpaminany sy gne helok'ireo mpisorona izay efa nandatsaky gne ran'e marina tao ategnategnany.14Mirerirery, jamba, tegny amin'ireo lalana izy ireo. Tena voaloto indrindra tamin',izany rà izany izy ireo ka tsy nisy navela mba hikasiky gne akanjon'izy ireo. 15Miaka! ry maloto! hoy gne hiakiakan'e olo tamin'izy ireo. Miala! Miala! Aza mikasiky!'' Ka nirerirery izy ireo; hoy gne vahoaka teo amin'ireo firenena hoe: "Mahazo mijanogny eto koa izy ireo."16Yaveh mihitsy no nanaparitaky azy ireo, tsy nagnety azy ireo koa Izy. Tsy magnome voninahitry ireo mpisorona izy ireo, ary tsy naneho sitraky tamin'ireo loholona.17Pahina gne masonay, miandry vasoky izay hagnamoy anay, avy amin'ireo tilikambo fiambenanay no nitenay gne firenena izay tsy afaky namonjy anahy. 18Nagnaraky ireo dianay izy ireo. Akeky gne fiafaranay ary voaisa ireo androanay, efa ho avy gne fiafaranay.19Gne mpagnenjiky anahy da malaky mandeha noho ireo voromahery egny an-dagnitry. Nagnenjiky anay tegny ame votry izy ireo ary nagnao otrika ho anahy tagny an-tany efitra. 20Gne fofonaina eo ame vavahoronay da—ilay voahosotr'i Yaveh—izy ilay voasambotry tao an-davak'izy ireo; ilay nozakay hoe: "Ao ambanin'e alotriny no hahavelo anay ame firenena agnaby."21Mifalia sy miravoravoa, ry zanakavavin'i Edoma, anao izay mipetraky agny ame tamin'i Oza. Fa ho anao avakoa no handrosoana gne kapôky, ho mamo anao ary hanpitanjaka gne tegnano. 22Ry zanakavavin'i Ziona, efa hiafarana gne famaizana anao, tsy hagnitatry gne sesitaninao izy. Kanefa ry zanakavavin'i Edoma, hagnafy izy, tsy hagnorona ireo fahotanao izy.
1Tadidio, ry Yaveh, izay nanjo anay, hiteo sy diniho gne fahafam-barakanay. 2Nafindra ho an'ireo vahiny gne lovanay; gne tragnonay ho an'ireo hafa firenena. 3Lasa kamboty izahy, kamboty ray, ary gne reninay da akôhô gne mpitondrategna. 4Tsy maintsy mandoa volafotsy ho an'e rano hindranominay izay, ary tsy maintsy mandoa volafotsy vao mahazo gne hitahinay.5Ireo izay magnenjika anay da akeky afaranay; valaky ihay ary tsy mahita fitsaraharana. 6Efa nanolo-tegna ho an'i Egypta sy Asyriana izahay mba hahazoana sakafo sahaza. 7Nagnota ireo razambenay, ary tsy eo koa izy ireo, ary izahay no mizaka gne helok'izy ireo.8Ireo andevo no manjaka eo aminay, ary tsy misy nagnafaky anay eo an-tanan'izy ireo. 9Magnano sorona gne ainay izahy vao mahazo gne mofonay, nohon'e sabatry agny angn'efitry. 10Niha-nahamay akôhô gne fata gne hoditrinay nohon'e havinirany miredereda.11Voaolana ireo viavy tao Ziona, sy ireo virinjiny tao amin'ireo tananan'i Joda. 12Nahanty tame tagnany avao ireo andriandahy, ary tsy homen-boninahitry ireo loholona.13Notereny hikosoky vary tame fikosoham-bary ireo tovolahy, ary ireo zaza lelahy da mivembena minday kakanjo.14 Niala teo ame vavahadin'e tanana ireo loholona, ary namela gne raha magnenon'izy ireo gne tovolahy.15Nitsahatry gne hafaliam-ponay ary niova ho fisaonana gne dihinay. 16Nilatsaky avy egny an-dohanay gne satro-boninahitra, loza ho anay, satria nagnota izahy!17Noho izany da lasa nagnary gne fonay, ary lasa pahina gne masonay, noho ireo raha ireo da lasa pahina gne masonay, 18satria gne votrin'i Ziona nitoka-monina, izay misy amboahaolo mikarenjy eo aminy.19Fa anao, ry Yaveh, da mpanjaka mandrakizay, ary anao da nipetraky eo ame seza fiandriananao hatrame taranaka fara-mandimby. 20Nagnino ihay no adigninao mandrakizay? Nagnino anao no mahafohy anay mandritry gne andro maro? 21Ampodiano aminao ihay, ry Yaveh, da himpody. Avoazo akôhô gne taloha gne andronay— 22raha tsy hoe efa nolavinao tanteraky ihay ary tena vignitry loatry aminay anao.
1Yaveh nizaka taminahy hoe: "Mandehana koa, mitiava viavy raiky, izay notiavin'e vadiny, kanefa mpijangajanga. Tiavo akoy e itiavako, Yaveh, e vahoakan'Israely izay, ndre da mihodigny ho ame gn'andriamanitra hafa sy mankafy mofo vita ame voaloboky aza indreo." 2Ka novidiko sekela volafotsy dimy ambin'ny folo ho Anahy sy vary hordea homera raiky sy tapany izy. 3Hoy Iaho taminazy se: "Tsy maintsy miara-mipetraky Aminahy mandritry gn'andro maro anao. Tsy ho mpijangajanga anao na ho an'e lelahy hafa. Akoizany avao, gne hiarako aminao."4Fa gn'olon'Israely da hiaigny andro maro tsy misy mpanjaka, andrian-dahy, sorona, andry vato, efoda na sampin-tragno. 5Ary avy eo gn'olon'Israely da hiverigny ary hitadia an'i Yaveh Andriamanitrin-dreo sy Davida mpanjakan-dreo, ary ame gn'andro farany, da ho avy sady mangitakitaky eo agnatrehan'i Yaveh sy gn'antsarany indreo.
1Isaky e te-hagnafaky an'Israely Iaho, da miseho e fahotan'i Efraima, sy gn'asa ratsin'i Samaria, satria mamitaky indreo; avy e mpangalatry, ary gn'andia mpanafiky manafiky egny an-dala. 2Tsy tsapan-dreo tao am-pony fa tsaroako agnaby gn'asa ratsiny. Amizao magnodidy eo amin-dreo gn'asany; magnatriky e tarehiko io.3Faly tame faharatsin-dreo e mpanjaka, ary tame gn'avandesany e manam-pahefana.4 Izy agnaby da mpijangajanga, akoy e laforo nafanain'e mpagnano mofo, izay mijano manorogn'afo hatrame famolavola e foto-koba ka mandra-pitomboan'izany. 5Tame gn'andron'e mpanjakantsika gne manam-pahefa da nampaharary e tegnany tame hafanan'e divay. Nagnatatry s tagnany tame nagneso anazy.6Fa ame fo akoy e laforo, gne hieverany gne tetiky famitahan-dreo. Mirehitry mandritry gn'ariva tontolo e fahavigniran-dreo; gn'ame marandray da bala akoy gn'afo milelalela izany. 7Izy agnaby da mafana akoy e laforo, ary mihina gne mitondra eo amin-dreo. Efa lavo agnaby gne mpanjakany; tsy nisy nangaiky Anahy indreo.8Nifangaro tame gn'olo i Efraima. Mofomamy fisaky izay tsy mbola navadiky i Efraima. 9Efa nagnary e heriny gne firenena hafa, nefa tsy fantany izany. Volo fotsy gne mifefy eo aminazy, nefa tsy fantany izany.10Gn'avognavon'Israely da vavolombelo mandetiky anazy; ndre izany aza, da tsy niverigny tamin'i Yaveh Andriamanitriny indreo, na nitadia Anazy, ndre da teo agnaby aza izany. 11Efraima da akoy e voromailala, minomino fahatany sady tsy misy saina, mangaiky mafy agny Egypta, avy eo mandrembo ho agny Asyria.12Rehefa mandeha indreo, da ho velariko eo amin-dreo e haratoko, hampidigniko akoy e voron'e lagnitry indreo. Hagnasazy andreo ao ame firohotany Iaho. 13Lozan-dreo! Fa efa nilefa Anahy indreo. Avy eo amindreo e fandavoa! Nigrevy taminahy indreo! Tokony hagnavotry andreo Iaho, kanefa nizaka avandesa taminahy indreo.14Tsy nikoiky taminahy tame fony indreo, fa midradradradra eo am-pandriany. Miara-miangona ho an'e vary sy e divay vaovao indreo, ary miheliky miala Aminahy.15 Ndre da nampianatry andreo sy nagnamafy e sandriny aza Iaho, da miteti-dratsy hanohitry Anahy indreo amizao.16Miveregny indreo, nefa tsy miverigny Aminahy, gn'Ambony Indrindra. Akoy gn'angira miraviravy indreo. Ho lavo ame sabatra nohon'e fizakam-pahatan'e lelany e manam-pahefan-dreo. Izany gne ho zary fagnasoan-dreo ao ame tany Egypta.
1Ka mifaly, ame hafalia akoy gn'olo hafa' ô Israely. Fa tsy natoky anao, nahafoy gn'Andriamanitrao. Tianao e magnefa e karama angatahin'e mpivaro-tegna ame famoloha agnaby. 2Fa e famoloha sy e famiaza da tsy hamaha andreo; handiso fagnategna andreo e divay vaovao.3Tsy hipetraky ao ame tanin'i Yaveh esanaky indreo; nefa, hiverigny agny Egypta i Efraima, ary ho hisy andro raiky indreo da hihina-kany maloto agny Asyria. 4Tsy handraraky fagnatitry divay ho an'i Yaveh indreo, na hankasitrahany. Ho akoy gne sakafon'e mpisorona aminazy e soron-dreo: izay mihina izany agnaby da ho voloto. Fa e sakafon-dreo da ho andreo raiky avao; tsy hiditry e tragnon'i Yaveh izany.5Ino gne ho aninareo ame gn'andron'e firavoravoa votoka, ame gn'andron'e firavoravoa ho an'i Yaveh? 6Fa, io, raha afaky milefa ame fandavoa indreo, da handagno andreo Egypta, ary handevy andreo i Memfisa. Raha gn'ame harena volafotsin-dreo—ho lasan'e fatsy maragnitry io, ary hameno e lain-dreo e fatsy.7Ho avy gn'andro famaiza; avy gn'andro famalia. Ôka ho fantatry gn'Israely agnaby io rahà io. Mola e mpaminany, ary very say gn'olo azon-tsindrimandry, nohon'e helokareo zakabe sy fandrafianareo zakabe.8E mpaminany gne mpiamby an'i Efraima ho an'e gn'Andriamanitriko. Fa misy fandri-boro ame lalany agnaby, ary e fankahala anazy da ao an-tragnon'e Andriamanitriny. 9Efa namilavila toera zakabe akoy e tame gn'andron'i Gibea indreo. Ho tsaroan'Andriamanitra e helokin-dreo, ary ho faiziny e fahotan-dreo.10Hoy Yaveh se: "Rehefa nahita an'Israely Iaho, da akoy gne nahita voaloboka tagny ambadiky. Mitovy ame voalohaboka vo mamoa fiakaran'e gn'aviavy, da nahita e razambenareo Iaho. Fa nandeha agny Bala-peora indreo, ary nanoka-tegna tam'izany sampy mahamegnatry izany. Lasa mimpitsanga volo-koditry akoy gne sampy notiaviny indreo.11Raha gn'amin'i Efraima, da handrembo akoy e voro e voninahitrin-dreo. Tsy hisy fahateraha, tsy hisy fanagnagn'anaky, ary tsy hisy torotoronina. 12Ndre da niteza zaza aza indreo, da ho alaiko indreo ka tsy hisy ho tavela. Loza ho andreo rehefa mivadiky amindreo Iaho!13Efa nahita an'i Efraima Iaho, mitovy amin'i Tyro, nambole teo ame tanin'ahitry, fa Efraima da hinday gne zanany ho agny ame gn'olon-kafa izay hamono andreo." 14Omeo indreo, ô Yaveh—ino gne homenao andreo? Omeo troky tsy mahazo zaza sy nono izay tsy magnome ronono indreo.15"Noho e faharatsian-dreo agnaby tagny Gilgala, izay nalegnako andreo volohany. Noho gn'asan-dreo feno fahota, da ho rohako hijotso e tragnoko indreo. Tsy ho tia andreo esanaky Iaho; mpigrevy avao gne manam-pahefan-dreo.16Misy arety Efraima, ary maigny e vahatrin-dreo; tsy mamokatry io. Ndre manan-janaky aza indreo, da ho vonoiko e zanaky malalan-dreo." 17Ho arian'e gn'Andriamanitriko indreo satria tsy nagneky Anazy. Ho lasa mpirenirery teo ame firenena indreo.
1Efraima mihinan-drivitry ary magnaraky e rivotry avy agny atsigna. Mampitombo isa gn'avandesa isan'andro izy. Magnano fagneke miaraky amin'i Asyria ary minday menaky olovy ho agny Egypta indreo. 2Mana ady amin'i Joda evakoa i Yaveh ary hagnafahy an'i Jakoba noho izay naniny; hamaly anazy Izy nohon'e gn'asany.3Tao an-troky gne nitanan'i Jakoba e rahalahany tame vojo-tombony, ary tame faholombeny gne nediany tame gn'Andriamanitra. 4Niady tame gn'anjely izy ka naharesy. Notagny sy nitaraigny ho an'e gn'afikiny izy. Nahita gn'Andriamanitra tao Betela izy; tagny gne nikoragnan'e gn'Andriamanitra taminazy.5Iaho no Yaveh, gn'Andriamanitra tompon'e maro; "Yaveh" gn'agnara hangia Anazy.6 Ka mimpodiana ame gn'Andriamanitrareo. Tendremo e fagneke mahatoky sy e rariny, ary mahadiasa mandrakariva an'Andriamanitra.7Gne mpivarotry da mana vato balantsy diso eo ame tagnan-dreo; tia fagnambaka indreo. 8Hoy Efraima se: "Lasa nanan-kareo be marigny iaho; nahita harena ho an'e tegnako iaho. Tsy hahita heloky aminahy ame gn'asako agnaby indreo, izay tokony ho fahotako agnaby."9"Iaho no Yaveh Andriamanitrareo avy agny ame tany Egypta. Hapetrako agnaty lay koa anareo, akoy e tame firavoravoa votoka.10 Nizaka tame mpaminany Iaho, ary nagnome fahita maro ho andreo ho anao. Tame tanan'e mpaminany gne nagnomezako fagnohara."11Raha misy faharatsia ao Gileada, da tsisy dikany marigny gn'olo. Anin-dreo sorona ao Gilgala gn'aombilahy; ho akoy e vato maro ao agnatin'e saham-bavasa gn'alitaran-dreo.12 Nilefa ho agny ame tanin'i Syria i Jakoba; niasa mba hahazo vady i Israely; ary niandry ondry aman'osy izy mba hahazo vady.13Ninday gn'Israely hijotso e tagny Egypta tame gn'alalan'e mpaminany i Yaveh, ary tame gn'alalan'e mpaminany gne nikarakarany andreo. 14Nahavignitry be an'i Yaveh i Efraima. Noho izany da hamela e ràny eo aminazy e Tompony ary hamerigny amina zay e fahafaham-barakany.
1Rehefa nizaka i Efraima, da nisy hetagneta. Nagnenga e tegnany tagny Israely izay, nefa lasa ratsy noho e fanopoa an'i Bala izy, ka maty. 2Miha-manota avao indreo amizao. Magnano sary sikotry vy ame volafotsiny indreo, sampy nany tsara araky izay azo nany, io agnaby io da asan'e mpagnano asa tagna. Nizaka gn'amindreo gn'olo hoe: 'Gn'olo izay magnano sorona io da mitoraky zanak'aomby.'3Ka ho mitovy ame mikan'e marandray indreo, akoy gn'ando izay mora maigny, akoy gn'afo izay tsofin'e rivotry avy eo ame famoloa, ary akoy e setroky mijotso ame fijotsoan-tsetroky.4Fa Iaho i Yaveh Andriamanitrao avy ame tany Egypta. Ôka anareo tsy hagneky Andriamanitra afa-tsy Iaho avao; ôka anareo hagneky fa ankotra Anahy, da tsy misy mpamonjy hafa.5 Fantako anareo tagny ame tany ambadiky, tagny ame tany fahamaigny zakabe. 6Rehefa nana ahitry anareo, da voky; ary rehefa voky anareo, da nisondritry e fonareo. Noho izany antony izany da nagnadigno Anahy anareo.7Ho lasa mitovy ame liona ho andreo Iaho; akoy e leoparda gne hembenako magnaraky e lala. 8Hamely andreo akoy e bera very zanaky Iaho. Hanataky e tratran-dreo Iaho, ary agnifatry andreo eo akoy e liona, akoy e hamilavialan'e bibidia andreo Iaho.9Handavo anareo Iaho, ô Israely; ia gn'afaky hagnampy anareo? 10Aia e mpanjakanareo izao, mba hagnavotry anareo agny ame tanànareo agnaby? Aia gne mpitondranareo, izay efa nozakainareo taminahy hoe: 'Omeo mpanjaka sy lelahy manan-kaja iaho'? 11Nagnome anareo mpanjaka tame fahavignira Iaho, ary nangala anazy tame fahavignirako.12Efa nopia gne helok'i Efraima; nopia gne helokony. 13Gne fangirifirian'e fiteraha da ho avy aminazy, fa zanaky lelahy tsy manam-pahendrena izy, satria rehefa avy e fotoa ahateraha, da tsy mijotso avy ao an-troky izy.14Hamonjy anazy gn'ame tanan'e fiainan-tsy hita me Iaho? Hamonjy andreo ame fahafatesa me Iaho? Aia, ô fahafatesa, gn'areti-mandavonao? Aia, ô fiainan-tsy hita, e fandavoanao? Mifiny ame masoko e fandeferanao."15Ndre da nanan-karena teo ame rahalahany aza i Efraima, da hisy rivotry avy agny atsignana ho avy; hifofotry avy agny ame tany ambadiky e rivotr'Yaveh. Gne loharanon'i Efraima da ho ritry, ary e ranobôky da tsy hisy rano. Hanafiky e tragno fihopia gne rahà-tsarobidy agnaby e fahavalony.16Ho sajia i Samaria, satria nigrevy nanohitra gn'Andriamanitriny izy. Ho lavon'e sabata indreo; ho vilavila gne zanany mbola tanora, ary ho triarina i endrin-dreo bevoky.
1Loza ho an'izay mamoron-keloka, ho an'izay mandrafitry gne agnano ratsy eo am-pandriany. Amè marandray gne agnanovan-dreo an'izany satria mana fahefa indreo. 2Magniry saha indreo ka pitsainy izany; magniry tragno indreo ka mangala anizany. Mampijaly olo sy gn'avany indreo, ary olo sy e lovany.3noha izao da akoizao gne zakain'i Yaveh se: ''Io, efa minday loza hamango izany havany izany Iaho, izay tsy hangalanareo e vojonareo. Tsy handeha amè fiavognavogna anareo, satria da ho fotoa ratsy izany. 4Amizany andro izany da hahazo hira mikasiky anareo gne fahavalonareo, ary hisaona amè hira fisaonana. Indreo hihira hoe: 'Rava tanteraky iahay Israelita; Yaveh magnova e faritanin'e vahoakako. Akoingaia gne hangalany anizany aminahy? Mizara gne sahany ho an'e mpamadiky Izy!''' 5Noho izany, anareo rô mpanan-draha da tsy mba hana taranaky hizara efaritany amè loka ao amè fengonan'i Yaveh.6"Ka maminany," Hoy indreo. "Ôka indreo tsy haminany an'io rahà io; ôka tsy ho avy e fahafaham-baraka."7 Ry taranak'i Jakoba, itokony ho zakay me hoe: "Fignitry me gne Fagnahan'i Yaveh? Izy me tena asany io?" Tsy mampahatsara an'izay mandeha mahitsy me gne zakako? 8 Agny afara kely da hitsanga akoy e fahavalo e vahoakako. Mangala e tohitena, gn'akanjo, egny amin'izay mandalo tsy misy fantahora anareo, akoy gne miaramila miverigny avy agny ame gn'ady ho agny amin'izay heveriny fa milamy.9Alainareo amin'io tragno mahafinaritry anazy io e viavy vahoakako; sontoninareo amè zanan-dreo mandrakizay e fitahiako. 10 Mitsangàna ka mialà, fa tsy toera ahafanareo mipetraky aty, nohon'e fahalotoany; nopotehina tamè fahapoteha tanteraky ity. 11 Raha misy olo avy agny aminareo amè fagnahan'e fahavandesa sy vandy ka magnano akoiziao: Haminany aminao mikasiky e divay sy rahà findranomy mahery iaho," da hiverigny ho mpaminany ho an'izany vahoaka izany izy.12Handagno anareo agnaby marigny Iaho, ry Jakoba. Handagno e sisa amin'Israely marigny Iaho. Hinday andreo miaraky akoy e gn'ondry ao amè andriany, akoy e andian'ondry eo ategnategnan'e fihinanagn'ahatry Iaho. Hisy feo mafy nohon'e fahamaroan'e vahoaka. 13 Izay olo mamaky da manokatry e lalan-dreo ho andreo ka handeha eo alohan-dreo. Handeha hamaky e vavahady indreo ka hinjotso; e mpanjakan-dreo gne handeha eo agnatrehany. Yaveh gne ho mpitariky andreo.
1Hoy iaho: "Mitenoma androany, anareo ry mpitarik'i Jakoba sy mpanapaky e taranak'Israely: Tsy mety aminareo me e mahatakatry e fahamarigna? 2Anareo izay mankahala e tsara sy tia e ratsy, anareo izay magnendaky e hoditrin-dreo, e nofotrin-dreo amè tolany— 3anareo izay mihina e nofotr'e gn'oloko evakoa, ary magnendaky gne hodiny, manapaky e tolany, ary mamakivaky andreo, ajoy gne hena ahisy agnaty vilagny, akoy gne hena ho ahisy ao agnatin'e fahandroan-kena.4Da angaiky mafy an'i Yaveh anareo manapaky, nefa tsy hamaly anareo Izy. Haminy e tarehiny aminareo Izy amin'izany fotoa izany, satria efa nagnano asa ratsy anareo."5Akoizao gne zakain'i Yaveh mikasiky gne mpaminany izay nampirerirery gn'oloko: "Ho an'izay namaha andreo da hizaka indreo hoe; 'Hisy fahatozohandrahà.' Fa ho an'izay nagnisy ndre ino ndre ino ao amè vavany, da hanomboky hiady aminazy indreo. 6Noho izany, da ho mizy ho anareo izay ary tsy hisy fahita ho anareo; ho mizy izany mba tsy hagnanovanareo sikidy. Hilentitry amign'e mpaminany e masoandro, ary ho mizy amin-dreo gn'andro. 7Ho megnary gne mpahita, ary ho very hevitry gne mpisikidy. Agnakombo e vavany agnaby, satria tsy misy valiny aty Aminahy."8Fa raha gn'aminahy, da feno hery noho e Fagnahan'i Yaveh iaho, sady feno fahamarigna sy fahereza, mba agnambara amin'i Jakoba, gn'helokiny, sy amin'Israely e fahotany.9Mitenoma an'ity, anareo mpitariky e taranak'i Jakoba, sy mpanapaky e taranak'Israely, anareo izay mankahala fahamarigna, sy magnodigny e rahà-marigny agnaby. 10Mananga an'i Ziona amè rà sy Jerosalema amè fahota anareo. 11Mitsara nohon'e kolikoly gne mpitsaranareo, mampianatry nohon'e fagnomeza gne mpisoronareo, ary maminany nohon'e vola gne mpinaninareo. Nefa anareo miankina amin'i Yaveh ka magnano hoe: "Tsy magnaraky antsika me i Yaveh? Ka da tsy hisy ratsy hahazo antsika."12Noho izany, noha anao, da hasay akoy e saha i Ziona, ho korantam-bato i Jerosalema, ary hitovy amè gn'ambony rakotr'ala e gn'ambonin'e tempoly.
1Androany mevisa miaraky ao amè filaharagn'ady, ô zanakavavin'e maramila; efa nagnapetraky dongon-tany magnodidy e tanà gne miaramila, amè tsora-kazo gne hamangoany e mpitsaran'i Israely eo amè lagnilagniny. [Fagnamariha: Raha tokony hoe "mevia miaraky ao amè filaharagn'ady" gne mpadika teny sasany mamadiky akaizao "tapay e tagnanareo", manondro e fanompoan-tsampin'e fitetehan-tegna raha mivavaky tamè sampy. Gne dika-zaka sasany vaovao evakoa da magnaraky e dikan-teny taloha izay vakina akoizao "atsangano gne fiarovanareo."]2Nefa anao, ô Betlehema Efrata, ndre da kely indrindra eo amè fokon'i Joda anao, da ao aminao gn'injotsoan'e gn'olo handeha eo Aminahy mba anamba gn'Israely, izay atramè fotoa anombohany, ka haharitry mandrakizay. 3Noho izany da hahafoy anazy gn'Andriamanitra, hatramè fotoa hitrotron'izay mihetsi-jaza zazakidy, ary e tavela amè gn'anadahiny da hiverigny agny amè vahoakan'Israely.4Hitsanga Izy ary handigny gn'ondry aman'osiny amè gn'erin'i Yaveh, amè voninahitry gn'agnaran'i Yaveh Andriamanitriny. Hipetraky indreo, satria ho zakabe amè faran'e tany avao Izy. 5Ho fiadanantsika Izy. Raha avy ao amè tanintsika gne Asyriana, raha magnano diabe hanoitry gne fiarova mafintsika indreo, da hitsanga hanohitry anazy gn'amè mpiandry ondry fito sy mpitariky valo amè gn'olo isika.6Hiamby e tanin'e Asyria amin-tsabatra indreo, ary eo fiderana ao amin'izany e tanin'i Nimroda. [Fagnamariha: Gne lohasoratra Hebreo da magnano akoizao" eo amè fiderana ao amin'izany", izany hoe, eo amè vavahady. Ndre da izany koa, gne dikan-teny vaovao sasany da mihevitry fa e zaka Hebreo hafa da noheverina akoizao: "amè sabatra voatsoaka."] Hagnavotry antsika amè Asyriana Izy, raha avy ao amè tanintsika indreo, raha magnano diabe agnatin'e faritanintsika indreo. 7Gne sasany tavela amin'i Jakoba da ho eo ategnategnan'e vahoaka maro, akoy gn'ando avy amin'i Yaveh, akoy gne ranondrik'andro eo amè ahatry mentso, izay tsy mandigny olo, ary tsy mandigny e zanak'olombelo indreo.8Gne sisa tavela amin'i Jakoba da ho eo amè firenena, eo amè vahoaka maro, akoy e liona eo amè biby agny agn'ala, akoy gne liona tanora eo amè gn'andian'ondry. Raha mamakivaky eo amindreo izy, da hagnosihosy an'io sy hamotipotika an'io, ary tsy hisy olona hamonjy andreo. 9 Hisandratra hamango gne fahavalonao e tagnanao, ka hamotika andreo izany.10"Akoizao gne hiboda amin'izany andro izany" hoy Yaveh "Hovonoiko eo aminao gne soavalinao ary hopotehiko gne saretinao. 11Horavàko gne tanà ao amè taninao ary horodako agnaby e rindrinao.12Hopotehiko e sikidinao eo an-tananao, ary tsy hana mpisikidy esanaky enao. 13Hopotehiko gne sary sikitrao sy gne tsangam-batonao eo aminao. Tsy hanompo gn'asa-tagnanao esanaky anao. 14Hofoagnako eo aminao gne baon'aserahanao, ary horavàko gne tanà. 15Hagnatanteraka valifaty amè fahatram-po sy fahagnira eo amè firenena ho tsy nagneky Iaho."
1Lozako! Fa ho anahy da akoy gne hoe tapitry e fihila e voankazo, sady evakoa fandagnona gn'ambim-boloboka ao amè tanim-boaloboka: Tsy misy sampam-boaloka ho hita esanaky, tsy nisy tamè gn'aviavy hambo izay tena notiako be. 2Tsy hita tamè tany gn'olo mahatoky, tsy misy olo-mahitsy ao amè gn'olombelo agnaby. Mikinia handatsa-dra agnaby indreo; mitadia e rahalahany amè gnarato avao.3Malaky amè fagnamboara e ratsy e tagnan-dreo: mitaky vola gne mpanapaky, vanogny amè kolikoly e mpitsara, ary mizaka amy gne hafa izay tiany ho azo lelahy matanjaky. Da akoizany gne iarahany magnano tetika ratsy.4 Gne tsara indrindra amindreo da akoy e roy, e mahitsy indrindra da vala fatsy. Izany da andro efa volazan'e mpikarokao mialoha, da gn'andro fagnafaiza anareo. Izao gne fotoan'e fahaverezan-kevitrin-dreo.5Ka matoky mpiara-belo; ka magnapetraky fatokisa amè nama. Anio tsara izay zakainao ndre da amè viavy izay matory eo amè sorikao aza. 6Fa haniratsira an'i abany e zaza lelahy, hitsanga hamaly en'i endriny e zanaka viavy, ary e vinanto viavy hamaly e rafozam-baviny. Gn'olo ao an-tragnony evakoa gne fahavalon'e gn'olo.7Fa raha iaho aloha, da hagnety an'i Yaveh iaho, handigny gn'Andriamanitra e famonjea anahy iaho; haharehy anahy gn'Andriamanitra. 8Ka mifaly aminahy, ry fahaliko. Fa raha lavo iaho, da hitsanga koa. Raha mimpetraky ao amè mizy iaho, da Yaveh gne ho fahazavà ho anahy.9Satria nagnota tamin'i Yaveh iaho, da hivesatry e gn'avignirany mandram-dahany e zakako, sy hagnatanterahany fitsarà ho anahy. Hinday anahy ho eo amè fahazavà Izy, ary hahita Anazy ao amè fahamarigna iaho.10Da hahita an'izany gne fahavaloko, ka gne hegnatry gne anafotry izay nizaka taminahy hoe: "Aia Yaveh Andriamanitrao?" Hagnety anazy e masoko; ho vohosihosy akoy gne fotaky ame lala izy.11Ho avy gn'andro anangana e ridrinao; amin'izany andro zany da hitarina hatragny lavitry gne faritrao. 12Amin'izany andro zany da ho avy aminao e vahoaky, avy agny Asyria sy gne tanà agny Egypta, avy agny Egypta ka hatragny amè rano zakabe, Eofrata, avy amè ranomasy ka hatragny amè ranomasy, ary avy amè mokombohitry ka hatragny amè mokombohitry. 13Io tany io da heloza nohon'e vahoaky izay mipetraky ao amizao, nohon'e vokatry gn'asan-dreo.14Embeno amè tsoran-kazonao e vahoakanao, da gn'ondry amabosin'e lovanao. Mipetraky raiky agny agn'ala indreo, eo antegnategnan'e tany fambolea. Ao indreo handeha agny Basana sy Gileada akoy e tamè gn'andro taloha. 15Akoy e tamè gn'andro izay nijotsoanao e tagny Egypta, da hagnambara fahagaga andreo Iaho.16Hahita ary ho megnatry e heriny gne firenena. Hitam-bava indreo; harigny e sofindreo. 17Hilelatry e vovoky e bibilava, akoy e rahà-namboary izay mikisaky amè tany indreo. Hijotso avy ao an-davakiny sady matahotry indreo; ho avy amè tahotry ao Aminao indreo, ry Yaveh Andriamanitray, ary hatahotry noho anao.18Ia gne Andriamanitra akoy Anao, Anao izay mangala fahota, Anao izay mandalo ambonin'e heloky e sisa tavela amè lovanao? Tsy mità gne fahavigniranao mandrakizay Anao, satria tianao e magnambara e famindram-ponao aminay.19Halahelo anay koa Anao; hagnitsaky gne helokay ao ambany tombokao Anao. Hagnary e fahotanay agnaby ao amè ranomasy laly Anao. 20Hagnome e marigny ho an'i Jakoba sy famindram-po ho an'i Abrahama Anao, akoy e nananganao tagna tamè razabenay tamè gn'andro taloha.
1Tamè vola fahavalo tamè taona faharoy nanjakan’i Dariosa, da avy tamin’i Zakaria zanak’i Berekia lelahy zanak’Ido lelahy, mpaminany, e zakan’i Yaveh, magnano hoe: 2“Vignitry be tamè razambenao i Yaveh! 3Zakay indreo hoe: Akoizao gne zakain’i Yaveh tompon’e maro: Mitodiha Aminahy!—izany gne fagnambaran’i Yaveh tompon’e maro—da hitodiky aminareo Iaho, hoy Yaveh tompon’e maro.4Ao anareo tsy akoy e razambenareo izay nangian’e mpaminany teo aloha, hoe: “Izao gne zakain’i Yaveh tompon’e maro: Mialà amè lalan-dratsinareo sy e fagnamparan-dratsinareo!” Fa tsy niteno indreo ary tsy niraharaha Anahy- izany gne fagnambaran’i Yaveh.’ 5Gne razambenareo, aia indreo? Aia gne mpaminany, itoa mandrakizay indreo me? 6Fa gne zakako sy gne lalàgnako izay nandidiako andreo mpaminany mpanompoko, tsy efa nahatratry an’io razambenareo io me? Ka nibebaky indreo ary nagnano hoe: ‘Araky izay efa nalahatr’i Yaveh tompon’e maro hany aminay izay mendriky gne lalanay sy gn’asanay, gne niny taminay.””7Tamè gn’adro fahefatry amby roipolo tamè faharaiky ambin’ny folon’e vola, izay volan’e Sabata, tamè taona faharoy nanjakan’i Dariosa, da avy tamin’i Zakaria, zanak’i Berekia lelahy zanak’Ido lelahy, gne mpaminany, e zakan’i Yaveh, magnano hoe: 8“Nahita tamè gn’andro ariva iaho, ary igny! Nisy lelahy raiky nileza sovaly mena, ary teo amè hazon’e rotry izay teo amè lohasaha izy; ary teo afarany da nisy sovaly, volontany somary minday mena, ary sovaly fotsy.” 9Hoy iaho se: Ino itoa rahà toa, rô Tompo?” Avy eo da nisy anjely raiky nikorà taminahy nagnano taminahy akoizao: “Ho ambarako anao hoe ino io rahà io.”10Ary gne lelahy izay nagnaniky teo amè hazon’e rotry namaly ary nizaka hoe: “Io gne nalefan’i Yaveh mba irerirery magneran-tany.” 11Namaly gn’anjelin’i Yaveh izay nitsanga teo amè hazo rotry indreo; hoy indreo taminazy se: “Efa nirerirery nagneran-tany iahay; io, e tany agnaby da mbola mipetraky sy minjano.”12Da namaly gn’anjelin’i Yaveh ary nizaka hoe: “Ô Yaveh tompon’e maro, manda-pahovia gne agnambaranao tsy fahatsoram-ponao amin’i Jerosalema sy amè tanàn’i Joda izay efa niaritry fahavignira izay fitopolo tao izay?” 13 Namaly gn’anjely izay nikorà taminahy, tamè zaka tsara, zaka fampahereza i Yaveh.14Ka nizaka taminahy gn’anjely izay nikorà taminahy hoe: “Mikoa mafy ary mizakà hoe: ‘Akoizao gne zakain’i Yaveh tompon’e maro: Saro-piaro tamè fitiava zakabe tamin’i Jerosalema sy tamin’i Ziona Iaho! Vignitry be amè firenena izay ao agnatin’e fahangina io Iaho. 15Raha mbola vignitry kidy tamin’io Iaho, da vo maiky nampaharatsy e finjalian-dreo.16Noho izany da izao gne zakain’i Yaveh tompon’e maro: Efa niverigny tamin’i Jerosalema tamè famin-draham-po Iaho. Ho voatsanga ao agnatin’e tragnoko—izany gne fagnambaran’i Yaveh tompon’e maro—ary e famoloina da ho henjagny amin’i Jerosalema!’ 17Mangia mafy koa, magnano hoe: ‘Izao gne zakain’i Yaveh tompon’e maro: Ho tondraky tsara koa gne tanàko, ary hampahery an’i Ziona koa i Yaveh, ary hisafidy an’i Jerosalema koa izy.’”18Da nanandratry gne masoko iaho ary nahita tandroky efatry! 19Nikora tamè gn’anjely izay nizaka taminahy iaho hoe: “Ino io?” Namaly izy hoe: “Io gne tandroky izay efa nagnaparatiky an’i Joda, Israely, ary Jerosalema.”20Avy eo da nagnambara mpagnano asa tagna efatry taminahy i Yaveh. 21Hoy iaho se: “Ino gn’anton-dian’itoa olo toa?” Namaly Izy, ary nizaka hoe: “Itoa gne tandroky izay nagnaparitaky an’i Joda mba tsy hisy olo afaky hagnatrotry e lohany. Fa itoa olo toa da avy mba handroky andreo, mba handrava gne tandrok’e firenena izay nanandratry manohitry e tanin’i Joda mba hagnaparitaky anazy.”
1Da nitodiky iaho ary nampiakatry e masoko ka nahita saretry efatry niboda avy teo agnelegnelan’e mokom-bohitry roy; ary io mokom-bohitry roy io da vita avy tamè varahana. 2E sarety volohany da nana sovoly mena, e sarety faharoy nana sovaly mity, 3e sarety fahatelo nana sovaly fotsy ary e sarety fahefatry da nana sovaly sada fotsy. 4Da namaly iaho ka nizaka tamè gn’anjely nikorà taminahy hoe: “Ino itoa, rô tompoko?”5Namaly gn’anjely ka nizaka taminahy hoe: “Io gne rivotry efatry e lagnitry izay niboda teo amè toera izay nitsanganan-dreo teo agnatrehan’e Tompon’e tany agnaby. 6Gne raiky izay miaraky amè sovaly mity da mijotso mandeha agny amè firenena avaratry; gne sovaly fotsy da mijotso mandeha agny amè ferenena atsimo.''7Io sovaly matanjaky io da niboda ary nikady handeha sy hirerirery egny amè tany, ka hoy gn’anjely hoe: “Mandehana mirerirery egny amin’e tany!” ary nandeha nirerirery eran’e tany agnaby indreo.” 8Da nitaraigny taminahy izy ka nikorà taminahy ary nagnano hoe: “Iteo gne izay mijotso ho agny amè ferenena avaratry; amboaro e fagnahako mikasiky e firenena avaratry indreo.”9Ary avy taminahy e zakan’i Yaveh, nagnano hoe: 10“Mangalà fanatitry amè tany an-tsesitany—avy agny Helday, Tobia, ary Jedaia—ary mandehana amin’izany andro izany avao ary alay ao amè tragnon’i Josia zanak’i Zefania, izay avy tagny Babylona izany. 11Da alay e volafotsy sy volamena, magnanova satro-boninahitry ary apetray eo amè lohan’i Josoa zanak’i Jozadaka lelahy, gne mpisoronabe izany.12Mikoragna aminazy ary zakay hoe: ‘Izao gne zakain’i Yaveh tompon’e maro: Ity lelahy ity, gn’agnarany da Rantsana! Hitombo eo amè misy anazy izy sady hananga e tempolin’i Yaveh! 13Izy gne hagnorigny e tempolin’i Yaveh ary hananga abo e famirapiratan’izany; hipetraky sy hanapaky eo amè seza volamena izy. Ho mpisorona eo amè seza volamenany izy ary hisy e fahazavan-tsain’e fiadana eo amin’izy roy.14Hapetraky eo amè tempolin’i Yaveh e satro-boninahitry hagnomezam-boninahitry an’i Helema, Tobia, sy Jedaia ary ho fahatsiarova e hatsaram-pagnahan’e zanak’i Zefania lelahy. 15Ary gne izay lavitry da ho avy sy hagnorigny e tempolin’i Yaveh, ka ho fantatrao fa i Yaveh tompon’e maro gne nagniraky anahy ho aminareo; fa hiboda izany raha teny miteno e feon’i Yaveh Andriamanitrareo anareo!’”
1Tamin’i Dariosa mpanjaka gne mpanapaky nandritry gn’efatry-tao, tamè gn’andro fahefatry nanjakan’i Kisleva (izay volana fahasivy), da avy tamin’i Zakaria e zakan’i Yaveh. 2Nandefa an’i Serezera sy Regema-meleka ary gn’olony e vahoakan’i Betela mba hiangavy agnatrehan’e tarehin’i Yaveh. 3Nikorà tamè mpisorona izay tao amè tragnon’i Yaveh tompon’e maro sy tamè mpaminany indreo; hoy indreo se: “Tokony handala amè gn’alalan’e fifadian-kany me iaho amè volana fahadimy, akoy izay efa naniko taona maro izay?”4Da avy taminahy e zakan’i Yaveh tompon’e maro, magnano hoe: 5“Mizakà amè mponin’e tany agnaby sy amè mpisorona ka anio hoe: ‘Raha nifidy hany sy nandala tamè volana fahadimy sy fahafito anareo nandritr’izay fito taona izay, izy me nifidy hany ho Anahy marigny anareo? 6 Raha nihina sy ninondrano, tsy ninondrano sy nihiny ho an’e tegnanareo me anareo? 7Tsy io zaka io avao me gne nambaran’i Yaveh tamè vavan’e mpaminany taloha, raha mbola nipetraky tao Jerosalema sy gne tanà nagnodidy tamè fanambina ary nipetraky tao Negeva, sy gne lemaky amorondranomasy agny akandrefa anareo?’”8Avy tamin’i Zakaria e zakan’i Yaveh, nagnano hoe: 9“Izao gne zakain’i Yaveh tompon’e maro: ‘Mitsarà amè fitsara marigny, fagnekè matoky, ary famindram-po. Ao gn’olo tsirairaiky hagnano an’izany amè rahalahany. 10 Gn’amè mpivatotry sy kamboty, e vahiny, ary gn’olo mahatra—ka mampinjaly andreo, ary ao tsy hisy aminareo hitetiky ratsy e hafa ao am-ponareo.’11Nefa nandà e hiteno indreo ary nagnamafy e sorikin-dreo. Namempo e sofiny indreo mba tsy hahare. 12Nampahery e fony akoy e vato indreo mba tsy hiteny e lalàgna gna ne zakan’i Yaveh tompon’e maro. Nandefa io hafatry io ho an’e vahoaky tamè gn’alalan’e Fagnahany tamè fotoa taloha, tamè gn’alalan’e vavan’e mpaminany Izy. Nefa nandà e hiteno e vahoaky, ka vignitry be tamin-dreo i Yaveh tompon’e maro.13Ary raha nangaiky Izy, da tsy niteno indreo. Akoizany evakoa,” hoy Yaveh tompon’e maro, “gne hangian-dreo mafy Anahy, fa tsy hiteno Iaho. 14Fa hodisoiko amè tadio agny amè firenena agnaby izay tsy mbola hitany indreo, ary ho samba magnaraky andreo e tany. Fa tsy misy olo hiala amè tany na hiverigny ao amin’izany satria efa namadiky e tanin-dreo mahafinaritry ho tany ngazana e vahoaka.”
1Avy taminahy e zakan’i Yaveh tompon’e maro, nagnano hoe: 2“Izao gne zakain’i Yaveh tompon’e maro: Tia fatratry an’i Ziona amè zotom-po zakabe Iaho ary saropiaro nohon’e gn’aminazy amè havignira zakabe Iaho! 3Izao gne zakain’i Yaveh tompon’e maro: himpody agny Ziona Iaho ary hipetraky ao ategnategnan’i Jerosalema, fa efa nangiako hoe Tanàn’e Fahamarigna i Jerosalema ary e mokom-bohitr’i Yaveh tompon’e maro da ho angiako hoe Mokombohitry Masina!4Akoizao gne zakain'i Yaveh tompon'e maro: Lelahy antitry koa gne ho egny amè gnaraben'i Jerosalema, ary gn'olo agnaby hitadia angira satria efa niha-antitry. 5Ho feno kiraolahy sy zaviavy mihira egny amè lalam-ben’e tanà.6Izao gne zakain’i Yaveh tompon’e maro: Amin’izay andro izany raha misy rahà tsy hay amboary eo amazon’e vahoaky sisa tavela, da tokony tsy ho hay amboary eo amasoko koa me izany?—izany gne fagnambaran’i Yaveh. 7Izao gne zakain’i Yaveh tompon’e maro: Io, eo andalam-pagnavota gn’oloko amè tany fiboan’e masoandro Iaho ary eo amè filitehan’e masoandro! 8 Fa hinday andreo hiverigny Iaho, ary hipetraky ao ategnategnan’i Jerosalema indreo, mba ho vahoakako indraiky indreo, ary ho Andriamanitrin-dreo amè marigny sy amè fahamarigna Iaho!9Izao e zakain’i Yaveh tompon’e maro: Anao izay manohy miteno gne zaka mitovy izay nivoky tamè vavan’e mpaminany raha tragnoko—ity tragnoko ity, Yaveh tompon’e maro: Anio matanjaky gne tagnanao mba ho votsanga e tempoly. 10Fa talohan’izay andro izany da tsy nisy vokatry volagnon’e gn’olo, tsy nisy tombony ndre ho an’e gn’olo na ho an’e biby, ary tsy nisy fiadana ho an’izay olo mijotso na miditry avy tamè fahavalo. Efa nagnapetraky gn’olo tsaraikiraky hanohitry e namany Iaho.11Fa androany izany da tsy ho akoign'andro taloha, hagneky e sisan'ity vahoaka ity Iaho— izany gne fagnabaran'i Yaveh tompon'e maro. 12 Fa hafafy gn'isin'e fiadana; da hagnome e voany gne hazo voaloboka ary e tany hagnome e vokatr'e famboleny; hagnome gn'andony e lagnitry, fa hampandovaiko izany rahà agnaby zany e sisa amin'ity vahoaka ity.13Ohatry ho an'e firenen'e ozona hafa anareo, ô taranak'i Joda sy taranak'Israely. Ka da hamonjy anareo Iaho ary hofitahia anareo. Kamatahotry; ôka hatanjaky e tagnanareo! 14Fa akoizao e zakain'i Yaveh tonpon'e maro: akoigne nagnomagnako hanao ratsy aminareo raha nahavignitry Anahy gne razambenareo—hoy Yaveh tompon'e maro—ary tsy nilefitry Iaho, 15gne hagnomagnako rahà tsara koa ho an'i Jerosalema sy e taranak'i Joda evakoa amin'izany andro zany! Ka matahotry!16Itoa e rahà izay tsy maintsy haninareo: Mizakà e marigny, gn'olo agnaby amè namany. Mitsarà amè marigny, rariny, ary fiadana eo amè vavahadinareo. 17Ka magnano kinia ratsy ao am-ponareo amè hafa, ary ka mitia fiainan-diso—satria tsy tiako izany rahà zany!—izany gne fagnambaran'i Yaveh.''18Da avy taminahy e zakan'i Yaveh tompon'e maro, magnano akoizao: 19"Akoizao gne zakain'i Yaveh tompon'e maro: Gne fifadian-kany amè vola fahefatry, vola fahadimy, vola fahafito, ary e vola fahafolo da ho lasa fotoan'e fifalia, firavoravoa, ary fotoa mahafinaritry ho an'e taranak'i Joda! Noho izany tiavo e fahamarigna sy e fiadana!20Izao gne zakain'i Yaveh tompon'e maro: Ho avy koa e vahoaka, ndre indreo izay mipetraky, amigny tanà maro samihafa koa. 21Handeha ho agny amè tanà hafa e mponin'e tanà raiky ka hagnano hoe: "Ôka handeha malaky eo agnatrehan'i Yaveh isika ka hitadia an'i Yaveh tompon'e maro! Handeha evakoa isika. 22Vahoaka maro sy firenena mahery maro gne ho avy hitadia an'i Yaveh tompon'e maro agny Jerosalema ary hiangavy e fankasitrahan'i Yaveh!23Izao gne zakain'i Yaveh tompon'e maro: Amizany andro zany da lelahy folo avy amè fizaka sy firenena agnaby gne hita gne sisiny gn'akanjonao ary hizaka hoe: 'Ao hiaraka aminao iahay, fa efa renay fa migneky anao Andriamanitra!'"
1Izao gne fagnambaran'i Yaveh mikasiky e tanin'i Hadraka sy Damaskosy. Fa e mason'i Yaveh da amè gn'olombelo agnaby, ary koa amè fokon'Israely agnaby. 2Ity fangambara ity evakoa da mikasiky an'i Hamata, izay mifanolotry amin'i Damaskosy, ary mikasiky an'i Tyro sy Sidona izany, ndre tena hendry aza indreo.3Efa nagnorigny fiarova mafy ho an'e tegnany i Tyro ary nandagno volafotsy akoy e vovoky sy volamena vodio akoy e fotaky egny an-dala. 4Igny! hagnafoa anazy Andriamanitra ary hamilavila e tanjakiny an-dranomasina, mba ho lanin'e gn'afo izy.5Hahita i Askelona ka hatahotry! Hangitakitaky mafy evakoa i Gaza! Ekrona, ho foana e fagnantegnany! Ho faty agny Gaza e mpanjaka, ary i Askelona da tsy hisy olo esanaky! 6Hagnano e tragnony ao Asdoda gne vahiny, ary hagnafoa e firehareha'e Filistina Iaho. 7Fa hangala e ràn-dreo avy eo amè vavany Iaho ary e fahavetavetan-dreo eo agnelagnelan'e nifiny. Ary da ho lasa sisa ho an'e gn'Andriamanitsika akoy e foko agny Joda indreo, ary Ekrona da ho lasa akoy e Jebosita.8Hipetraky magnodidy e taniko Iaho hanohitry gne maramilan'e fahavalo ka tsy ndre hisy na raiky afaky magnato na mipody, fa tsy hisy mpampinjaly handalo eo amin'izany esanaky. Fa amizao da hiamby e taniko amè masoko Iaho!9Mihobia amè fifalia zakabe, ô zanako viavin'i Ziona! Mihobia am-pifalia, ô zanako vavin'i Jerosalema! Igny! Avy amè fahamarigna aminao e mpanjaka ary magnavotry anao. Manendry tegna izy ka mipitiky eo amè boriky, eo ambony zana-boriky. 10Ary ho foa e sarety avy agny Efraima sy e soavaly avy agny Jerosalema, ary e tsipìka da ho foagna amè gn'ady; fa agnambara fiadana amè firenena izy, ary e fanapahany da ho avy amè ranomasy ka miafara amè ranomasy, ary hatramè Ony ka hatramè faravazan-tany!11Raha gn'aminareo, noho e rân'e fagnekeko ao aminareo, da hafahako avy ao an-davaky izay tsy misy rano gne gadranareo. 12Miveregna agny amè fiarova mafy, ô gadran'e fagnategna! Eka ndre androany aza da magnambara Iaho fa hagnonitry ambony indroy aminareo, 13fa efa nisoto an'i Joda ho tsipikako tamin'ny Efraima Iaho. Efa nanaitry gne zanakareo lelahy Iaho, ô Ziona, hanohitry gne zanakareo lelahy, ô Grisia, ary efa nagnano anareo akoy e sabatry e mpiady Iaho, ô Ziona!14Hiboda amin-dreo i Yaveh, ary hitifitry akoy e gn'elatry e tsipìkiny! Fa Yaveh Tompoko hitsotry trompetra ary hiditry avy amè tafio-drivotry avy agny Temana. 15Yaveh tompon'e maro gne hiaro andreo, ary handevo andreo sy handresy e vaton'antsamotadiny io. Ary da hinindrano indreo hidradradradra akoy gn'olo mamon'e divay, ary ho feno divay akoy gne lasety indreo, akoy gne zoron'e gn'alitara.16Da amizany andro izany da hamonjy andreo i Yaveh Andriamanitriny; da akoy e gn'ondrin'e vahoakany indreo, fa indreo gne ho firavaky e satro-boninahitry, hisandratry eo amè taniny. 17Fa akory e hatsarany sy hatsaran'e tarehin-dreo! Hitsiry eo amè vary e lelahy ary e virijiny eo amin'ny voaloboka mamy!
1Angataha rikandro amin'i Yaveh amè vanim-potoan'e rikandron-dohataona—Yaveh izay magnano rikandrom-baratry—ary magnome rikandro mivatravatra ho an'e gn'olo agnaby sy e rahà metso egny amè tany famboleha. 2Fa gne sampy ao an-tokatragno da mizaka vandy; e mpisikidy magnano sary ao ame sainy vandy; mizaka onofy fitaky indreo ary magnome fagnadinoa avao, ka mirerirery akoy gn'ondry ary mijaly nohon'e tsy fisian'e mpiandry andreo.3Gne havignirako da bala amè mpiandry ondry; gn'osilahy—mpitariky—gne ho faiziko. Yaveh tompon'e maro evakoa ka da hagnatriky gn'ondriny, da e taranak'i Joda, ary hagnano andreo akoy e soavaly fizaka agny amy gne ady!4Avy amin-dreo gne hevian'e gn'orombato; avy amin-dreo gne hevian'e finjanognan'e rahà lay; avy amin-dreo gne hevian'e gn'angira fedia; avy amin-dreo gne hevian'e mpitarika hiaraky agnaby. 5Ho akoy e mpiady izay magnitsaky e fahavalony eo amè fotak'e lala amè gn'ady indreo; hiady indreo, satria Yaveh gne mikasiky andreo, ary hahamegnatry gne mipitiky soavalin'ady indreo.6Hampahery e taranak'i Joda Iaho ary hamonjy e taranak'i Josefa; fa hamerigny andreo amè tena izy Iaho ka hamindra fo amin-dreo. Hitovy ame hoe tsy nandanako indreo, satria Iaho gne Yaveh Andrimanitrin-dreo, ary hamaly andreo Iaho.7 Da ho akoy e mpiady i Efraima, ary hifaly akoy e azon'e divay e fon-dreo; hahita izany gne zanany ka hifaly. Hifaly Aminahy e fon-dreo!8Hisioky ho andreo Iaho ary handagno andreo, satria hamonjy andreo Iaho, ary ho avy zakabe akoy e teo aloha indreo! 9Namafy andreo tegny amè gn'olo Iaho, nefa hahatsiaro Iaho agny amè firenena lavitry indreo, ka ho velo sy hiverigny indreo sy e zanany. 10Fa hampody andreo avy agny amè tany Egypta Iaho ary handagno andreo avy agny Asyria. Hiday andreo agny amè tanin'e Gileada sy Libanona Iaho mandra-paha tsy hisy efitragno andreo esanaky.11Hamakivaky e ranomasim-pijalian-dreo Iaho; hamango gn'isin'izany ranomasy izany Iaho ary hagnamaigny e lalin'i Neily agnaby. Hajetsy e voninahitr'i Asyria, ary e angiram-panjakan'i Egypta hiala amè gn'Egyptiana. 12Hagnamafy fototry andreo aminahy Iaho, ary handeha amè gn'agnarako indreo—izany gne fagnambaran'i Yaveh.
1Vohay e varangaranao, ô Libanona, mba handevognan'e gn'afo e sederanao! 2Misaonà, ô hazo kypreso, fa efa lavo e hazo sedera! Gn'ambony da efa nofoagna! Misaonà, anareo ô hazo terebintan'i Basana, fa efa ripaky gn'ala matsy. 3Midradradra gne mpiandry ondry, fa efa rava e voninahitrin-dreo! Miero e feon'e zanak'e liona, fa efa e reharehan'e Ony Jordana!4Fa izao gne zakain'i Yaveh Andriamanitrao: "Akoy e mpiandry ondry, miamby e ondry izay ho vonoy! 5(mamono andreo gne mivedy anazy ary tsy vosazy, ary mivarotry andreo magnano hoe: 'Isorana anie Yaveh! Efa mpanan-karena iaho!' fa gne mpiandry miasa hoan'e tompon'ondry da tsy nandefitry.) 6Fa tsy handefitry e mponin'ny tany Esanaky Aho! —izany gne fagnambaran'i Yaveh. Io! E tegnako mihitsy gne hamerigny e gn'olo agnaby eo an-tanan'e namany sy eo an-tanan'e mpanjakany, ary handrava e tany indreo ary tsy hisy ndre raiky amin-dreo hafahako eo an-tanan-dreo."7Ka da lasa mpiandry gn'ondry volahatry ho vonoy Iaho, ho an'e izay ninday gn'ondry. Nandray tehina roy Iaho; e tehina raiky nangiako hoe "Fahasoavana" ary gne hafa nangiako hoe "Fikambagna". Tamin'izany fomba izany gne nodiasako gn'ondry. 8Mpiandry ondry telo gne novonoiko tao agnatin'e vola raiky, satria tsy naharitry tamin-dreo iaho, ary nankahala enahy evakoa indreo. 9Da hoy iaho tamin'e tompon'ondry hoe: "Tsy hiasa ho mpiandry ondrinao esanaky iaho. Gn'ondry izay maty—da ho faty, gn'ondry izay lavo—da aleo ho lavo. Ôka gn'ondry izay sisa tavela samy hihina e nofin'e namany."10Da noresiko e tehiko "Fahasoavana" ary nosimbako izany mba hagnafoagnako e fagneke izay efa naniko tamè fokoko agnaby. 11Tamin'izany andro izany da rava gne fagneke, ka izay ninday gn'ondry sy nagnety Anahy da nahafantatry fa nizaka i Yaveh. 12Da hoy iaho tamindreo se: "Raha ohatry ka aminareo izany, da aloavo e karamako. Fa raha tsy izany, da avelay avao." Ka da nozakain-dreo gne karamako—sekely volafotsy telopolo.13Ary hoy Yaveh taminahy se: "Apetraho ao amè fipetrahan-drakitry e volafotsy, e sanda tena tsara izay nanombagnan-dreo anao!" Ka da nalaiko e sekely volafotsy telopolo ary napetrako tao ame fipetrahan-drakitry tao ame tragnan'i Yaveh. 14Avy eo nopotehiko e tehiko faharoy, "Fikambana," mba hamoteha e firahalahian'i Joda sy Israely.15Hoy Yaveh taminahy se: "Alay ho an'e tegnanao koa e fitaovan'e mpiandry ondry mola, 16fa io, hagnapetraky mpiandry ondry eo amè tany ho. Tsy hivakiloha gn'ondry maty izy. Tsy hitadia gn'ondry very izy, na koa hagnafaky e mitongaitry. Tsy hanataky gn'ondry izay salama izy, fa hihina gne nofon'e gn'ondry vondraky ary hagnano tsisy dikany e kitron'io.17Loza ho an'e mpiandry tsy mendriky izay mahafoy gn'ondry! Hifiky e sandriny sy e masony an-kavana anie e sambatry! Halazo anie e sandriny ary ho jamba e masony ankavana!"
1Ity da agnambara e zakan'i Yaveh mikasiky an'Israely—fagnambaran'i Yaveh, izay nanandratry gne lagnitry sy nagnapetraky e fototr'e tany, izay mamolavola e fagnahan'olombelo ao agnatin'e olo hoe: 2"Io, eo an-dalam-pagnamboara an'i Jerosalema agnaty kapôky Iaho hahavy gne vahoaky magnodidy anazy hivembe agnaby. Da ho akoy izany evakoa gn'an'i Joda mandritry e fandilovan'i Jerosalema. 3Amin'izany andro izany, haniko ho vato mavesatry ho an'e gn'olo agnaby i Jerosalema. Izay magnandra e hagnenga izany vato izany da handratry mafy e taniny, ka hitambatry izany tanà izany io firenen'e tany agnaby.4Amin'izany andro izany—izany gne fagnambaran'i Yaveh—hamely e soavaly tsiraikiraiky amè fapitahora Iao ary e mpileza aminazy ame fahaverezan-tsay. Hagnety am-pankasitraha e taranak'i Joda Iaho ary hamely e soavalin'e miaramila amin'e fahajamba. 5Avy eo gne mpitarik'i Joda hizaka anakampo hoe: 'Io mponin'i Jerosalema gne itantsika noho i Yaveh tompon'e maro, Andriamanitrin-dreo.'6Amin'izany andro izany da haniko akoy e fata mirehitry egny amè hazo ary mitovy e fanilo egny amè gn'amboara gne mpitariky ny Joda, fa indreo gne handevo gne firenena magnodidy ankavanany eo agnaby sy eo ankaviany. Hipetraky eo ame toerany koa i Jerosalema."7Hamonjy gne tragnon'i Joda i Yaveh, mba tsy ho zakabe noho e sisa tavela amin'i Joda e voninahitr'i Davida sy e voninahitr'izay mipetraky ao Jerosalema. 8Amin'izany andro izany da ho mpiaro gne mponin'i Jerosalema i Yaveh, ary amin'izany andro izany gne izay ketraky amindreo da ho akoy i Davida, ary e taranak'i Davida da hitovy amè gn'Andriamanitra, akoy gn'anjelin'i Yaveh eo ankatrehan-dreo. 9"Amin'izany andro izany da hanomboky handavo gne firenena izay avy hanohitry an'i Jerosalema agnaby Iaho.10Nefa handraraky e fagnahin'e fandeferam-po sy fitaraina amè taranak'i Davida sy gne mponin'i Jerosalema Iaho, mba hitadia andreo, gne Raiky izay nampalemen-dreo. Hisaona nohon'e gn'Aminahy, akoy gn'olo misaona nohon'e gn'ame zanany lelahy tokana indreo; hisaona ho Anazy akoy e misaona nohon'e fahafatesan'e voloan-danja indreo.11 Amin'izany andro izany e fisaona ao Jerosalema da akoy e fisaona tao Hadadrimona eo amè lemak'i Megido.12Hisaona e tany, e fianakaviambe tsikiraikiraiky hitoka ame fianakaviambe hafa. Gne fianakaviamben'e taranak'i Davida hitoka ary gne vadin-dreo hitoka ame lelahy. Gne fianakaviamben'e taranak'i Natana hitoka ary gne vadin-dreo hitoka ame lelahy. 13Gne fianakaviamben'e taranak'i Levy hitoka ary gne vadin-dreo hitoka ame vadiny lelahy. Gne fianakaviamben'e Simey hitoka ary e vadin-dreo hitoka ame lelahy. 14Gne fianakaviambe tsirairaiky ame fianakaviambe tafanjano—e fianakavia tsikiraikiraiky da samy hitsitokatoka ary e vadin-dreo hitoka ame lelahy."
1"Amin'izany andro izany da hisy loharano hisokatry ho an'e gn'avan'i Davida sy gne mponin'i Jerosalema, nohon'e fahotan-dreo sy e tsy fahadiovan-dreo. 2Amin'izany andro izany—izany gne fagnambaran'i Yaveh Tompon'e maro—gne hagnafoagnako gn'agnaran'e sampy ame tany mba tsy ho tsaroa esanaky indreo. Hampivoky gne mpaminany tsy marigny sy e fagnahy maloton-dreo ame tany evakoa Iaho.3Raha misy olo manohy maminany, da hizaka aminazy i abany amy endriny izay niteRaky anazy hoe: 'Tsy ho velo anao, satria mizaka avandesa ame gn'agnaran'i Yaveh!' Avy eo iabany sy i endriny izay niteraky anazy hampalemy anazy maminany agnaby izy.4Amin'izany andro izany e mpaminany tsikiraikiraiky da ho megnatry ame fahitany raha eo am-paminania izy. Io mpaminany io da tsy agnisy lamba voloina, mba hamitahana gn'olo esanaky. 5Fa e tsikiraikiraiky hizaka hoe: 'Tsy mpaminany iaho! Lelahy miasa tany iaho, satria e tany gne lasa asako raha mbola tanora iaho!' 6Fa hisy olo raiky hizaka aminazy hoe: ' Ino gne ratry eo agnelagnelan'e bakatra-tagnanao io?' ary hamaly izy hoe: 'Naratry niaraky tamy gne tao ame tragnon'e namako iaho.'"7"Ô sabatry! Asandrato ame mpiandry ondriko, gne lelahy izay mitsanga etoa akekiko e tegnanao—izany gne fagnambaran'i Yaveh tompon'e maro. Fio e mpiandry ondry, da hiparitaky gn'ondry! Fa hamerigny e tagnako hanohitry gne madiniky Iaho.8Ary magnera gne tany agnaby—izany gne fagnambaran'i Yaveh—da hisy roy ampahatelon'izany hofoagna! Ho levona io olo io; raiky ampahatelony evakoa gne hijano agny. 9Ho entiko ame gn'afo io ampahatelony io ary dioviko mitovy ame magnadio volafotsy indreo; ho zahako akoy e volamena voazaha indreo. Hangaiky egn'agnarako indreo, ka hamaly andreo Iaho ary hagnano hoe: 'Ity gn'oloko!' ary hizaka indreo hoe: 'Yaveh gn'Andriamanitriko!""
1Io! Ho avy gn'andron'i Yaveh rehefa hozaray eo ategnategnanareo e babonareo. 2Fa halagnoko hanohitry an'i Jerosalema ame gn'ady e firenena agnaby ka ho voababo e tanà. Gne tragno da ho voababo ary e viavy ho voholaky. Gn'antsasaky e tanà da ho voababo, fa e sisa tavela ame gn'olo da tsy ho alà eo ame tanà.3Fa i Yaveh da hiboda ary hiady ame firenena mitovy Aminazy rehefa miady ame gn'andron'e gn'ady. 4Amin'izany andro izany e tombony da hitsanga eo ambonin'e Mokombohitr'i Oliva, izay eo akekin'i Jerosalema agny atsignana. E Mokombohitr'i Oliva da hovaky roy ary ho sarahan'e lohasaha zakabe ary gn'antsasak'e mokombohitry da hiverigny magnatriky gn'avaratry ary gn'antsasany magnatriky gn'atsimo.5Avy eo anao hilefa hidigny e lohasaha eo agnelagnelan'e mokombohitr'i Yaveh, fa e lohasaha eo agnelagnelan'e mokombohitry da hipetraky hatragny Azela. Hilefa akoy e nilefanao tame gn'orohoran-tany tame gn'andron'i Ozia, mpanjakan'i Joda anao. Da ho avy i Yaveh Andriamanitrao ary hiaraka Aminazy agnaby gn'olomasina.6Amin'izany andro izany da tsy hisy hazava, fa tsy hisy na nara na hafana na ando. 7Amin'izany andro izany, andro izay Yaveh raiky avao gne mahafantatry, da tsy hisy ariva na atoandro esanaky, fa e hariva da ho lasa fotoan'e hazava.8 Amin'izany andro izany e rano velo da handeha hivoky an'i Jerosalema. Gne antsasak'io da hivala ame ranomasy atsignana ary gn'antsasany ame ranomasy akandrefa, ame fahavaratry sy ame gn'asotry.9Ho mpanjaka ame tany agnaby i Yaveh. Amin'izany andro izany da hisy Yaveh, Gn'Andriamanitra toka, ary gn'agnarany raiky avao. 10Gne tany agnaby da hitovy amin'i Araba, manomboka ao Geba ka hatragny Rimona atsimon'i Jerosalema. Ho hasandratry avao i Jerosalema ary hipetraky ame toerany manoka, hatragny ame Vavahadin'i Benjamina ka hatragny ame toera izay nisy e vavaha volohany, hatragny Vavahady atsangany, ary hatragny ame Tilikambon'i Hananela ka hatragny ame famiazam-boaloboky e mpanjaka. 11Gne vahoaka da hipetraky agny Jerosalema ary tsy hisy faharava tanteraky avy amin'Andriamanitra hanohitry andreo esanaky. Hiaigny ame filamina i Jerosalema.12Izao gne ho loza izay hamelezan'i Yaveh an'e vahoaka agnaby niady nanohitry an'i Jerosalema: e nofon-dreo da ho lo ndre mitsanga ame tombony indreo. Gne mason-dreo da ho lo ao ame lelatombikin-dreo ary e lelan-dreo ho lo ao am-bavandreo. 13Amin'izany andro izany e tahotry zakabe avy amin'i Yaveh da ho avy amindreo. Gne tsirairaiky da hità e tagnan'e hafa, ary e tagnan'e raiky da hitsanga hamely e tagnan'e raiky hafa.14Joda evakoa da hiady hanohitry an'i Jerosalema. Hagnanga e harenan'e firenena magnodidy agnaby indreo—volamena, volafotsy, ary lamba tsara maro be. 15Gne loza evakoa da ho ame soavaly sy gn'apondra, gne rameva sy gne boriky, ary gne biby agnaby ao ame toby io avao da hijaly amin'izany loza izany koa.16Ary izao gne hiboda, izay tavela agnaby ao ame firenena izay avy manohitry an'i Jerosalema da hiakatry isan-tao kosa mba hidera e mpanjaka, da i Yaveh tompon'e maro, ary hagnaza e Firavoravoan'e Fialofa. 17Raha tsy mandeha miakatry ho agny Jerosalema mba hidera an'e mpanjaka, da i Yaveh tompon'e maro, gn'olo avy ame firenenan'e tany agnaby, da tsy hinday rikandro amin'indreo i Yaveh. 18Raha tsy miakatry e firenen'i Egypta, da tsy hahazo rikandro indreo. Hisy areti-mandripaky avy amin'i Yaveh izay hamely gne firenena izay tsy hiakatry mba hità e Firavoravoan'e Fialofa.19Izany gne fandilova ho an'i Egypta ary fandilova ho an'e firenena agnaby izay tsy miakatry mba hità e Firavoravoan'e Fialofa.20Fa amin'izany andro izany, e lakolosin'e soavaly da hizaka hoe: "Atokany ho an'i Yaveh," ary gne koveta ao ame tragnon'i Yaveh da hitovy ame lasety boribory eo agnatrehan'e gn'alitara. 21Fa e vilagny tanifotsy agnaby ao Jerosalema sy Joda da ho atoka ho an'i Yaveh tompon'e maro ary izay minday sorona agnaby da hihina aminio ary hampandivezy ao anatinio. Amin'izany andro izany gne mpivarotry da ho ao an-tragnon'i Yaveh tompon'e maro esanaky.
1Gne fagnambaragny gne zakan'i Yaveh tame Israely tame alalany gne tagnany Malakia. 2"Efa nitia anareo iaho," hoy Yaveh. Fizy ho anareo hoe: "Ahona gne nitiavanao anahy?" Tsy rahalahany Jakoba ve i Esao?" hoy e zakany Yaveh. "Jakoba gne efa tiako, 3fa Esao efa halako. Gne vohitry da efa naniko lao, ary da naniko toeragny ho ane ambohadia avy agny agnala ho lova.4Raha nizaka i Edoma hoe: "Lavigny iahy, kanefa hamerigny hambotry gne rava iahy, da nizaka Yaveh tompo gne maro hoe: "Mety hambotry indreo, saigny ho ravako avakoa. Gne hafa da agnahiky andreo hoe: 'Tanagny gne faharatsigny sy hoe: 'Gne vahoky izay nozognony Yaveh mandrakizay.' 5Haita izany gne masonareo, ary hizaka anareo hoe: 'Yaveh da zakabe mihotry gne faritry Israely."'6Mitovy ame zazalela nomegny voninahitry gne rainy, sy gne panompo magnome voninahitry gne tompony. Raha gne ray Aho, aia gne voninahitriny? Raha gne tompo Aho, aia gne fanehoagny gne fagnazagny Ahy?" hoy Yaveh Tompo gne maro tame mpisorogny, izay nanao tsinotsino gne agnareko. "Fizy hoy anareo hoe: 'Akory gne agnamboharagny tsinotsino gne agnaranao?' 7Tame fagnoloragny mofo voaloto teo ame alitarako. Fizy hoy anareo hoe: 'Akory gne nandotoanay Anao?' Tame fizakagny fa tsy misy dikagny gne latabatry Yaveh.8Raha manolotry biby jamba anigny sorogny anareo, tsy ratsy ve zany? Raha manolotry gne kilemaina sy marary anareo moa tsy ratsy ve izany?" Abohay agny ame goverinora izany. Handray anareo ve izy ndre hampitraka gne tarehinareo?" hoy Yaveh Tompo gne maro. 9Ankehitriny anareo da mbola magnotany gne endrik'Andriamanitra, mba hamindra fo amintsika. Fa Yaveh Tompo gne maro da mizaka fa ame fagnatitry akoy izany egny an-tananareo, moa hampitraka gne tarehinareo izy?10Raha mba misy raiky taminareo azaky nagnidy gne vavahady gne tempoly, mba tsy ho zava-poana gne andrehetanareo afo eo ame alitarako! Tsy mankasitraky anareo Aho," hoy Yaveh Tompo gne maro: "ary tsy andray gne fagnatitry avy aminareo Aho. 11Fa gne agnarako da ho zakabe eo ame firenegny ary isaky gne toeragny rehetra manomboky ame fiposahany gne masandro mandra-pilentikiny ary ditin-kazo magnitry sy fagnatitry madio gne hatolotry ame agnarako. Fa gne agnarako da zakabe eo ame firenegny." hoy Yaveh Tompo gne maro. 12''Fa maniratsira izany anareo rehefa mizaka fa maloto gne latabatry gne Tompo, ary gne vokany, gne hanigny, da ho anigny tsinotsinona.13Hoy koa anareo hoe: 'Mandreraky koa izy zany,' da niherogny tamizany anareo," hoy Yaveh Tompo gne maro. "Nitondra izay nalaigny tame biby dia anareo na kilemaigny na marary; ary da netinareo ho fagnatitry izany. Tokony handray izany ave ame tagnanareo ve Aho?" hoy Yaveh. 14"Aoka hozognigny mpamitaky izay managny ondry sy mivohady hagnome Ahy anizany, ary mbola magnome izay misy kilema Ahy, Tompo! Fa izaho da mpanjaka zakabe," hoy Yaveh Tompo gne maro," ary gne Agnarako da home voninahitry eo ame firenegny."
1Ary anareo mpisorona, ho anareo ity didy ity. 2"Raha hiteno anareo, ary raha tsy hametraky izany ao ame fonareo mba hagnomezagny voninahitry gne agnarako anareo," hoy Yaveh Tompo gne maro, "da handefa hozogny aminareo aho, ary hagnozogny gne fahasoavanareo Aho, satria tsy naninareo ame fo gne didiko.3Indro, hizaka mafy gne taranakareo Aho, ary hagnaparitaky zeziky ame tarehenareo Aho, zeziky avy ame falifalihanareo, ary hanaisotra anareo hiaraka ame izany Izy. 4Da ho fatatrareo fa efa nandefa io didy io taminareo Aho ary gne fifanekegny da hitohy amireo Levi," hoy Yaveh Tompo gne maro.5Gne fifanekeko da fiaignagny sy fiadanagny, ary nomeko azy ireo izy; nomeko tahotry izy, ary natahotry Ahy izy, ary nijoro tame tahotry gne agnarako izy. 6Fampenaragny gne marina no tao ame vavany, ary tsy nisy diso teo ame molony. Niaraka tame piadigny sy tame pahamarinagny tamiko izy ary niaboho tame fomba maro tame ota. 7Fa gne molotry gne mpisorogny da tokony hana-pahalalagny ary gne vahoaka da tokony hitady fampenaragny avy ame vava, satria mpitondra hafatr'i Yaveh Tompo gne maro izy.8Fa ianareo dia niala tamin'ny lalana marina. Nahatonga ny maro ho tafitohina amin'ny fanajana ny lalàgna ianareo. Nandika ny fanakem-pihavanan'i Levy ianareo,'' hoy Yaveh Tompo gne maro. 9"Noho izany Izaho ihany koa, dia efa nanao anareo ho tsinotsinona sy ratsy teo anoloan'ny vahoaka rehetra, satria tsy nitandrina ny lalako ianareo, fa kosa nampiseho fanavakavahana tamin'ny fampianarana.''10Tsy ray tokana ihany ve no antsika rehetra? Tsy Andriamanitra tokana ihany ve no nahary antsika? Nahoana isika olona tsirairay avy no kely finoana amin'ny rahalahiny, maniratsira ny faneken'ireo razambetsika? 11Joda dia kely finoana. Zavatra maharikoriko no nisy tao Israely sy tao Jerosalema. Fa naniratsira ny fitoerana masin'Yaveh izay tiany i Joda, ka nanambady ny zanaka vavin'andriamani-kafa. 12Aoka Yaveh hanala ireo lain'i Jakoba ilay lehilahy izay nanao izany, ilay nifoha sy ilay namaly, na dia nitondra fanatitra ho an'i Yaveh Tompo gne maro aza izy.13Ataonareo ihany koa izao: Rakofanareo ame ranomasy gne alitara i Yaveh, ame fitomagnigny sy gne fisetoagny, satria izy da tsy mbola mitodiky ame fagnatitry na mandray izany am-pakasitragny avy egny an-tananareo.14Fa hoy ianareo hoe: ''Nahoana Izy no tsy manao an'izany?'' Saria Yaveh da vavolombelona teo aminareo sy ny vady tamin'ny fahatanoranareo, tamin'izay naha kely finoana anareo, na da mpiara-dia aminareo sy vadinareo tamin'ny alalan'ny fifanekena aza izy. 15Tsy natambany ho iray ve izy ireo, miaraka amin'ny silaky ny fanahiny? Satria izy da nitady taranaka avy amin'Andriamanitra. Koa ambeno ao amin'ny fanahinareo ny tenanareo, ary aza tsy mahatoky ny vadin'ny fahatanoranareo. 16''Fa mankahala ny fisarahana Aho'' hoy Yaveh, Andriamanitr'Israely, ''ary ilay manarona ny fitafiany amin'ny herisetra,'' hoy Yaveh Tompo gne maro. ''Koa ambeno ao amin'ny fanahinareo ny tenanareo ary aza kely finoana.''17Nandreraky an'i Yaveh tame zakanareo anareo. Fa hoy anareo hoe: "Akory gne navalaky anay Azy?" Tame fizaka hoe: "Izay rehetra magnano ratsy da tsara eo imason'Yaveh, ary mankasitraky azy ireo Izy," na hoe: "Aia gne Andriamanitra gne fahamarignagny?"
1Indro, efa mby handefa gne irako Aho, ary izy da hagnomagny gne lalagny eo alohako. Ka da ho avy tampoky ao ame tempoly gne Tompo izay tadiavinareo. Ilay iraky gne fagnekegny izay hankasitranareo, indro ho avy izy," hoy Yaveh Tompo gne maro. 2Fa iza moa gne hahavita hiaritry gne andro hahatongavany? Iza gne havita itsangagny rehefa hiboky izy? Fa Izy da mitovy ame afo mpandrehitry sy savony fanasa-lamba. 3Hipetraky mitovy gne mpandrendriky sy mpagnadio volafotsy Izy, ary da hadio ireo zanaka lahin'i Levy. Handrendrika azy ireo mitovy ame volamena sy volafotsy Izy, ary hitondra fagnatitry gne fahamarignagny ho an'i Yaveh izy ireo.4Ary gne fagnatitr'i Joda sy Jerosalema da ho hankasitrahagn'i Yaveh, tahaka gne andro fahigny, sy tahaka gne taogna taloha. 5Da ho avy Aho hitsara agnareo. Vetivety Aho da ho tonga ho vavolombelogna hanohitra ireo mpisikidy, mpijangajanga, vavolombelogna sandoka, ary hanohitra izay mampahory ny mpiasa ame karamany, ireo izay mampijaly ny mpitondrategna sy ireo kamboty, hanohitra ireo izay tsy magnome voninahitra Ahy,'' hoy Yaveh Tompo gne maro.6''Fa Izaho, Yaveh, da mbola tsy niova; noho izany iagnareo, ry zanaka lahin'iJakoba, da tsy ho tratra faragny. 7Hatramy gne andron'ireo razambenareo da nanda ny didiko iagnareo ary tsy nitandrina izany. Miveregna amiko, da hiverigna amignareo Aho,'' hoy Yaveh Tompo gne maro. Fa hoy kosa iagnareo hoe: 'Ame fomba ahoana no hiveregnagnay?'8Misy ologna handroba an'Andriamanitra ve? Saingy mandroba Ahy iagnareo. Fa hoy iagnareo hoe: 'Tame fomba ahoana gne nandrobagnay agnao? Tamin'ireo ampahafolon-karegna sy ireo fagnatitry. 9Iagnareo da voaoziny, satria nandroba Ahy, ry firegnegna magnontolo.10Eto ame tragno fitehirizagny gne ampahafolon-karena feno, mba hisy sakafo ao ame tragnoko, ary tsapao amizao Aho," hoy Yaveh Tompo gne maro," raha tsy manokatry gne varavaragny gne lagnitry aminareo Aho ary mandraraky fahasoavagny eo aminareo, mandra-paha tsy misy hefitry ho amizany rehetra izany sanaky. 11Hizaka manohitry izay manimba gne masomboly nareo Aho, mba tsy hanimban'izireo gne votraky gne taninareo. Ireo volobikareo ame tany da hodiovigny," hoy Yaveh Tompo gne maro. 12"Gne firenegny rehetra da angaiky anreo hoe sambatry, satria ho tany mafinaritra anreo," hoy Yaveh Tompo gne maro.13''Nahery tamiko gne teninareo,'' hoy Yaveh. "Saingy hoy ianareo hoe: 'Inogna gne nifampilazagnay manohitra agnao?' 14Hoy ianareo hoe: 'Tsy ilaina gne manompo agn'Andriamaritra. Inona ny tombotsoantsika raha nitandrina ireo fangatahiny isika da nandeha tame fisaonany teo hanatrehan'Yaveh Tompo gne maro? 15Koa ankehitriny isika miantso gne mpirehareha hoe sambatry. Tsy mahomby fotsiny ireo mpanao ratsy, fa mitsapa agn'Andriamanitra ary mitsoaka mihintsy.'"16Avy eo da nifampiresaky ireo izay natahotra an'i Yaveh. Nifantoka tsara Yaveh ary nihaino, ary nosoratany teo anoloany gne boky fahatsiarovagny momban'ireo izay natahotra an'i Yaveh sy nagnome voninahitra gne anaragny.17"Ho Ahy izy ireo" hoy Yaveh Tompo gne maro, "fagnagnako sarobidy, ame andro izay hiasako. Hiantra azy ireo Aho, tahakagne ologna iray miantra gne zanany lahy izay manompo azy. 18Da hanavaky gne olo-marigny sy ny ratsy fagnahy indray ianareo, eo ame izay manompo an'Andriamanitra sy izay tsy manompo Azy.
1Fa indro ho avy gne andro, mandoro toy gne fatagny, rehefa lasa maloto ireo mpireherea sy gne mpagnano ratsy rehetra. Ho avy gne andro handoro azy ireo," hoy Yaveh Tompo gne maro, "ka hamela izany ho tsy hisy vodiny sy tagnany izany. 2Fa ho anareo izay mataotry gne agnarako, gne masoandro gne fahamarignagny da hiposaky miaraky ame fagnasitragnagny egny ame eletriny. Hizotso anareo, ary da hitsambikigny mitovy ame anaka omby avy ame vala. 3Ame andro izany da hagnitsaky gne ratsy anareo, satria da ho levogny ambany gne tomboky indreo ame andro hiasako," hoy Yaveh Tompo gne maro.4Tadidio gne fampenaragny Mosesy mpanompoko izay nomeko azy tagny Horeba ho an'Israely rehetra, ireo didy sy fitsipiky. 5Io, hagniraky an'i Elia mpaminany Aho alohany gne fevisany gne andro zakabe sy mampitaotry Yaveh. 6Hamerigny gne fon'ny ray ho ame zanaky Izy, ary gne fo ne zanaky ho ame ray, mba tsy hiaviko ka hanelezako gne tany ame fahavaratra taneraka."
1Tam'izà fotoa zà Jesosy nandeha namakivavaky gn'oraky tamign'andro sambata. Mosarè gne mpianatriny da nanomboky nihila hisikè vary da nihina ireo. 2Rehefa hitanigne Fariseo izà, da hoy indreo tam'i Jesosy hoe: '' iteo, gne mpianatrao magnano raha tsy mety hato amigne Sabata.3Fa Jesosy nizaka andreo hoe: ''mbola tsy novakinareo me gne raha nanin'i Davida, rehefa mosarè izy, sy gne lelahy niaraky taminazy aby? 4Niditry tao amigne tragnè Zagnahary izy ary nihina gne mofo fanatrehena, izay tsy ara-dalàgna ho anazy raha haniny ary tsy ara-dalàgna ho an'ireo izay niaraky taminazy, nefa ara-dalàgna ho anigne lohanè mpisorona raiky evao.5Tsy mbola novakinareo me gne ao amigne lalàgna, fa amigne Sabata ireo mpisorona ao an-tetempoly da manota gne Sabata nefa tsy mana-tsigny? 6Kanefa zakaiko aminareo fa etoa gne raiky zakabe noho gne tempoly.7Raha fantatrareo gne hevitry gne hoe: 'famindram-po no iriko fa tsy sorogny,' da tsy nagnameloky gne tsy manan-tsigny enareo. 8Fa gne Zanak'Olo no Tomponè Sabata.''9Avy teo Jesosy niala tao da niditry tao amigne synagogandreo.10 Igny, nisy lehila izay malemy fagna teo. Nagnontany an'i Jesosy ireo Fariseo, nagnano hoe: 'ara-dalàgna avao me gne mitsabo amigne Sabata?'' mba hitoriandreo Anazy amigne fahota.11Hoy Jesosy tamindreo hoe: ''olo ia eo aminareo, ia, raha ondry raiky evao gnanagnany, ka raha latsaky agnaty lavaky laly ilay ondry amigne Sabata, hanambotry anazy ary hampiakatry enazy? 12Tsy mana-danja lavitry me gn'olo toy izay gn'ndry! Ka noho izà da ara-dalàgna gne magnano tsara amign'andro Sabata.''13Avy teo, hoy Jesosy tamin-dralehilahy hoe: ''ataro gne tagnanao.'' Da natariny izà, da niverigny gne fahasalamany, akoigne tagnany evao.14 Fa nivoky ireo Fariseo da nitetiky gn'amono Enazy. Nitada hevitry amigne fomba hamonoa Anazy indreo.15Rehefa nahafantatry an'izà Jesosy, da niala teo Izy. Olo maro gne nagnarak'Enazy, ary notsaboiny indreo aby. 16Da nandidy andreo Izy mba tsy hampafantatry Anazy amigne hafa, 17mba hahatanteraky, izay efa nambara tamign'alalan'Isaia mpaminany, magnano hoe:18''Iteo, gne mpanopoko izay efa nofidiko; ry namako tiako, izay sitrakigne fagnahiko indrindra. Hapetrako ao amigne fagnahiko, ary hagnambara gne fitsarà amigne Jetilisa izy.19Tsy hifamaly na hiantso mafy izy; ary tsy hisy olo hiteno gne feony egny an-dàla. 20Tsy hanapaka bararata sagnagna izy; tsy hamono gne lahin-jiro midofaky, ambara-pamokany gne rariny ho mpandresy, 21ary amign'agnarany no hanagnan'ireo Jentilisa fagnategna.''22Avy eo nisy olo poa sy mo, nipetrahanè devoly, nindesy teo am'i Jesosy. Nositraniny izy, vokatr'izà da nizaka sy nahita ilay moa. 23Gaga gne vahoky aby ka nizaka hoe: ''mety io lelahy io me gne zanak'i Davida?''24Kanefa rehefa naharè izà fahagaga izà gne Fariseo, da hoy indreo hoe: ''io lelahy io da tsy mamoky devoly raha-tsy amign'agnaran'i Belzeboba, lehibenè devoly.'' 25Kanefa fantatr'i Jesosy gn'eritreritr'indreo ka nizaka andreo izy hoe: ''gne fanjaka miady an-dragno aby da tsy haharitry, ary gne tanà na gne tragno aby miady an-dragno da ho rava.26Raha mamoky satana gne Sabata, da miady an-dragno izy. Akoignaia gne hijoroanè fanjaka am'izà? 27Ary raha mangala gne devoly amign'agnaran'i Belgboba Aho, da amign'alalan'ia zany gn'androahanè zanakareo andreo? Noho izà antony izà da ho mpitsaranao indreo.28Kanefa raha mamoky ireo devoly amign'alalanè Fagnahinè Zagnahary Iaho, da efa avy aminareo gne Fanjakanè Zagnahary. 29Amigne fomba akory gne ahafanè gn'olo miditry ao an-dragnonè lelahy mahery ary mangala gne fanagnany raha tsy fihezy aloha ilay lehilahy mahery? Da avy eo hangala gne fanagnany ao an-dragnony izy. 30Izay tsy magnaraky Anahy da manohitry Anahy, ary izay tsy mitambatry miaraky Aminahy da miparitaky.31Noho izà, zakaiko aminareo fa, ho voavela heloky gn'olo amigne fahota sy zaka-ratsy aby, fa gne zaka-ratsy amigne Fagnahy Masigny da tsy hahazoa famelan-keloky. 32Na ia na ia mizaka manohitry gne Zanakan'Olo, da ho voavela izy. Fa na ia na ia mizaka manohitry gne Fagnahy Masigny, da tsy ho voavela izy, na am'izao fiaina zao, na am'izay hoa avy.33Anio tsara gne hazo da hanagnisiky tsara izà, na anio ratsy gne hazo da hanagnisiky ratsy izà, fa fantatry amigne voany gne hazo. 34Enareo taranaky gne menara, satria ratsy fagnahy enareo, akoignaia gn'afahanareo mizaka raha tsara? Fa avy amigne habeny gn'ao am-po gne zakainè vavany. 35Gn'olo tsara avy amigne harena tsara ao am-pony da mamokatry gne tsara, ary gn'olo-ratsy avy amigne harena ratsy ao am-pony da mamokatry izay ratsy.36Zakaiko aminareo fa amign'andronè fitsarà da ho agnotania amigne teny tsy voahevitry nozakainy aby gn'olo. 37Fa gne zakanao no hagnamarigna anao, ary gne zakanao no hagnameloha anao.38Avy eo nisy mpanora-dalàgna sy Fariseo sasasasany namaly an'i Jesosy ary nizaka hoe: ''eh mpampianatry, magniry gne ahita famantara avy aminao iahay.'' 39Fa namaly Jesosy ary nizaka andreo hoe: ''misy taranaka ratsy fagnahy sy mpijangajanga mitady famatara. Kanefa tsy misy famatara omena anazy afa-tsy gne famataran'i Jaona mpaminany. 40Fa mitovy am'i Jonah izay telo andro sy telo ariva tao an-trokinè vily zakabe, da ho akoizà koa no hipetrahanè zanak'olo telo andro sy telo ariva ao agnaty tany.41Gn'olon'i Ninive da hitsanga eo amigne fitsara miaraka amin'ity taraka ity ary hagnameloky izà. Fa nibebaky indreo tamigne toritenin'i Jaonah, ary igny, misy olo zakabe noho Jaonah etoa.42Gne mpanjakany gn'atsimo da hiara-hitsanga am'ireo lelahin'ity taranaka ity amign'andronè fitsarana ary hagnameloky izà. Tonga avy agny amigne faranè tany izy mba hiteno gne fahendren'i Salomona, ary igny misy olo zakabe noho Solomona etoa.43Rehefanisy fagnahy ratsy niala tao amignè lelahy raiky, da mandalo tany vakivaky izy ary mitadia fizanogna, nefa tsy mahita izà. 44Izà da milaza hoe: 'hiverigny agny amigne tragnoko izay neviako iaho.' Ary rehefa avy, da nahita fa voafafa gne tragno sady nilamigny. 45Avy eo da nandeha izany ary ninday fagnahy ratsy fito niaraky taminazy izay ratsy mihotry enazy, ka niditry nipetraka tao izy aby. Avy eo niha-ratsy noho ny gne vôlohany gne fiafaran'izà lelahy izà. Ary ho akoizà koa gn'amin'ity taranaka ratsy fagnahy ity.''46Raha mbola nizaka tam'ireo vahôky Jesosy, da indreo, gne reniny sy ireo rahalahiny nijoro tagny ivelany, nitady hiresaka aminazy. 47Nisy olo raiky nizaka taminazy hoe: ''iteo, gne reninao sy ireo rahalahinao mijoro ao ivelany, mitady iresaka aminao.''48Fa namaly Jesoso ary nizaka tam'ilay nizaka Anazy hoe: '' ia iendriko ary ia gne rahalahiko?'' 49Avy eo natariny tam'ireo mpianatriny gne tagnany ary nizaka hoe: ''iteo, itoa gne the reniko sy gne rahalako! 50Fa izay magnao gne sitraponè Raiko izay agny an-dagnitry, da izà olo izà gne rahalako, sy gn'anabaviko, ary iendriko.
1Fa nisy lehilahy raiky nangia hoe Ananiasy, niaraky tamin'i Safira vadiny, nivarotry anjara tany, 2ary notagnany gne sasany tamin'ireo vola vidiny (gne vadiny evakoa nahafantatry izà), ary ninday gne ampahany hafa tamin'izà ary nametraky anazy teo an-tombondreo apostoly.3Fa Petera nizàka hoe: "Ananiasy, nahoa gne nofenoin'i Satana vandy gne fonao havandy amè Fanahy Masina, sy hitazony gne sasany tamin'ilay vadin-tany? 4Raha mbola tsy lafo izà, tsy nijanogny ho fanagnanao manokany izà, ary rehefa lafo izà, tsy teo amè fahefanao izà? Akongaia gne niheritreretanao izà zavatry izà tao amè fonao? Tsy navandy tamign'olo anao, fa tamin'Andriamanitry." 5Rehefa naharè ireo teny ireo, da lavo tamè tany Ananiasy ka afaky gne ainy, ary nalia tanteraky izay rehetra naharè izà. 6Ary indreo tovolahy da niroso namono lamba anazy, ka nindesindreo nijoso izy ary nalevy.7Tafaran'gne lera telo teo ho eo, da niditry gne vadiny, mbola tsy nahalala izay nitranga. 8Petera nizàka taminy hoe: "Zakay aminah raha izà gne namarotanareo gne tany." Da hoy izy: "Eka, izà mintsy."9Avy eo i Petera nazàka anazy hoe: "Nahoa anareo gne nagneky hiara-hitsapa gne Fagnahin'gne Tompo? Igny, gne tombok'ireo olo izay nandevy gne vadinao da eo ambarangara, ary hagnajoso anao indreo. 10Ary lavo tselatsela teo amè tombony izy ary afaky gn'ainy. Rehefa niditry tao indreo tovolahy, da nahita anazy maty, ka ninday anazy nijoso sy nandevigny anazy takeky gne vadiny. 11Raiki-tahotry gne fiangona agnaby, sy indreo rehetra izay naharè izà zavatry izà.12Famantara sy fahagaga maro gne niseho tamindreo vahoaky tamè alalan'gne tagnandreo Apostoly. Niaraky teo amè fialotr'i Solomona indreo. 13Fa tsy nisy olo hafa nanagny fahasahia hiaraky amindreo; kanefa, gne vahoaky da nanandratry fankasitraha avo andreo.14Ary nihamaro indreo mpino izay nagnampy isa gne Tompo, andian-dehilahy sy viavy, 15ka nindesindreo t'andala hatramè marary ary napatoriandreo teo ambony fandria sy farafara, ka mba rehefa mandalo i Petera, da mety mba hanalotry gne sasany amindreo gne alotriny. 16Teo evakoa da maro gne vahoaky gne niara-tonga avy ao amin'ireo tanà nagnodidiny an'i Jerosalema, ninday endreo marary sy nampahorian'gne fagna-maloto, ary da sitrany izy rehetra.17Fa nitsanga gne mpisoronabe, sy indreo izay niaraky taminy (izay sekta an'ireo Sadoseo); ary da feno fialogna indreo 18ary nangala an-kery indreo apostoly, ary nampiditry andreo t'andragno mizy.19Ary nandritran'gn'ariva da nisy anjelin'gne Tompo nanokatry gne varangaran'gne fonja ary nagnajoso andreo tao, sy nizàka hoe: 20"Alao, mitsangana ao amè tempoly ary mizàka amè olo ireo zakà rehetran'ity fiaigna ity." 21Rehefa naharè izà indreo, da niditry tao amè tempoly indreo raha vao marandray gn'andro ka nampianatry. Fa avy gne mpisoronabe, sy indreo izay nindray taminy, ary nangaiky gne filan-kevitry rehetra, indreo loholo rehetran'gne vahoakan'Israely, ary nalefa tam-ponja mba hagnajoso andreo apostoly.22Fa rehefa avy gne mpiandry raharaha da tsy nahita andreo tao am-ponja esana, ka nipody indreo ary nagnambara hoe: 23"Nahita gne trano mizy nihidy tsara iahay ary gne mpiamby da nijoro niamby t'ambarangara, fa rehefa novahanay izà tsy nahita olo tao agnatiny esana iahay."24Ary rehefa naharè izà gne lehiben'gne mpiamby gne tempoly sy indreo mpisoronabe, da very hevitry tanteraky indreo nahakasiky gne zavatry mety hitranga. 25Fa nisy olo avy ary nagnambara tamindreo hoe: "Indreo lehilahy izay naninareo t'andragno mizy da mitsanga ao amè tempoly ary mampianatry gne vahoaky.26Ary lasa gne lehiben'gne mpiamby nindray tamindreo mpiandry raharaha, ary ninday andreo nipody, fa tsy tamè herisetra, satria nalia gne vahoaky indreo sao ho torahany vato. 27Rehefa ninday andreo indreo, da nandefa andreo teo agnatrehan'gne filan-kevitry. Nagnadiady andreo gne mpisoronabe, 28nizàka hoe: "Noraranay mafy anareo mba tsy hampianatry amin'io agnara io, kanefa, nofenonareo gne fampianaranareo i Jerosalema, ary tianareo ho tompon'andraikitry amè ran'io lehilahy io iahay."29Fa i Petera sy indreo apostoly namaly hoe: "Iahay da tokotry hagneky an'Andriamanitry nohon'gne olo. 30Gne Andriamanitry gne razanay nanangagny an'i Jesosy, izay novononareo teo amè hazo fijalia. 31Andriamanitry nanandratry Anazy teo amè tagnan'ankavagnany mba ho Tompo sy Mpamonjy, mba hanome fibebaha ho an'Israely, sy famelan-keloky. 32Iahay da vavolombelo gne amin'izà zavatry izà, ary gne Fanahy Masina evakoa, izay nomen'Andriamanitry ho andreo magneky Anazy.33Raha naharè izà indreo tao amè filan-kevitry, da vignitry indreo ary nikasa hamono ireo apostoly mintsy. 34Fa nisy Fariseo raiky angia hoe Gamaliela, mpampianatry lalàgna, izay najain'gne olo rehetra, nitsanga ary nagnafatrafatry andreo apostoly mba ho alaigny hajoso kidy agny ivelany.35Ary izy nizàka tamindreo hoe: "Lehilahy Israely, tandremo tsara gne amè zavatry izay ho aninareo miaraky amin'ireo olo ireo. 36Fa taloha tany, Teodasy nizàka gne tegnany ho zavatry, ary vondron'olo, tokotry ho efa-jato, nagnaraky anazy. Novonoy izy, ary indreo rehetra izay nagneky anazy da niparitaky ary tonga tsinotsino. 37Avy teo io lehilahy io, Jodasy avy any Galilia da nitsanga tamè andron'gne fagnishà ary nangala olo maromaro hagnaraky anazy. Izy evakoa da novonoigny, ary indreo egnaby izay nagneky anazy da niparitaky.38Ary amisia da ambarako aminareo, magnalavira an'ireo lehilahy ireo ary apetray raiky agny indreo, fa raha avy amin'olo io drafitry na asa io, da ho foagny izà. 39Fa raha avy amin'Andriamanitry kosa, da tsy ho azonareo ho foagnà ireo; mety ho hitanareo aza fa miady amin'Andriamanitry anareo." Da resy lahatry indreo.40Ary nangaiky andreo apostoly hiditry indreo ary nifiky sy nagnafatrafatry andreo tsy hizàka amè agnaran'i Jesosy, ary namela andreo handeha. 41Indreo da nandao gne filan-kevitry tam-pifalia satria mendriky gne hitondra fahafam-baraky ho an'ilay Agnara. 42Taorian'izà isan'andro, tsy nitsahatry nampianatry sy nitory an'i Jesosy ho Kristy indreo, teo an-kianjan'gne tempoly sy tamè tragno maro.
1Gne mpisoronabe nizàka hoe: ''Marina izá rehetra izà?'' 2Stefana nizàka hoe: ''Ry rahalahy sy ry ray, tenomy iao: ''Gne Andriamanitrin'gne voninahitry nibôky tamè raintsika Abrahama tamin'izy tany Mesopotamia, talohan'gne nipetrahany tao Harana; 3nizáka taminy Izy hoe: ''Mishità eo amè taninao anao sy ireo havanao, ary mandehana agny amin'ilay tany izay asehoko anao.''4Avy teo niala an'ilay tanin'gne Kaldeana izy ary nidoboky tany Harana; nanomboky teo, tafaran'gne nahafatesan'iabany, nindeshin'Andriamanitry tagny amin'io tagny io izy, izay hidoboanao izao. 5Tsy nomeny ho lova teo izy, aeky, tsy ampy hagnadoboa tomboky aby. Fa nagnome toky izy_ na da mbola tsy nanagn'anaky aza i Abrahama fa_izy da hanome gne tany anazy ho fanagnany sy ho andreo taranany agny hafara.6Andriamanitry da nizàka taminy mitovy amin'izao, fa indreo taranany da hidoboky maharitry agny amè tanin'gne firenen-kafa, ary indreo mponina ao da hinday andreo amè fagnandevoza sy fampahoria manditry gne efa-jato taogny. 7'Nefa ho tsaraiko gne firenegny izay tampoindreo,' hoy Andriamanitry, 'ary hafaran'izà da hagnato sy hidera Anah da amin'io toeragny io indreo. 8Avy teo nomen'Andriamanitry an'i Abrahama gne fagneke amè famorà, ka i Abrahama da lasa rain'Isaka ary namora anazy tamè andro fahavalo; Isaka da lasa rain'i Jakoba, ary Jakoba lasa rain'i patriarka roy ambin'ny folo.9Satria indreo patriarka da nialogny an'i Josefa, ka namidindreo tany Egypta izy; fa Andriamanitry da nindray taminy 10ary namonjy anazy tamin'ireo olagny rehetra. I Josefa da nomeny fankasitraha sy fahendrè teo anatrehan'i Farao, mpanjakan'i Egypta, izay nametraky anazy ho governora manapaky an'i Egypta sy ambonin'ireo fanagnany rehetra.11Ary da avy gne mosary nandrakotry an'Egypta sy Kanana, sy fijalia zakabe, ary indreo razantsika da tsy nahita sakafo. 12Fa rehefa naharè i Jakoba fa nisy vary tao Egypta, nandefa ireo razantsika tamè diandreo voalohany izy. 13Tamè diandreo faharoy i Josefa da nampahafantatry gne tegnany tamindreo rahalahiny, ary gne fianakavian'i Josefa da lasa fantatr'i Farao.14Josefa da nagniraky ireo rahalahiny hizàka an'i Jakoba iabany mba hoavy agny Egypta, miaraky amin'ireo havany rehetra, teo amè dimy ambin'ny fitopolo olo raha atambatry. 15Noho izà i Jakoba da nidigny tao Egypta, ary maty izy, izy sy indreo razantsika. 16Nolanjaigny ho any Sekema indreo ary naleviny tao amin'ilay kobory izay novidian'i Abrahama tamè volafotsy tamindreo zanak'i Hamora tany Sekema.17Rehefa nagnakaiky gne fotoan'ilay fampagnantegnà, ilay fampagnantegnà izay nanin'Andriamanitry tamin'i Abrahama, da nihamaro sy nitombo gne olo tao Egypta, 18mandra-pitsangan'gne mpanjaka hafa tao Egypta, mpanjaka izay tsy nahalala gne momban'i Josefa. 19Io mpanjaka io avao gne namitaky gne vahoakantsika sy nampahory indreo razantsika, indreo da nandetry gne razantsika handao ireo zanany ambava loza mba tsy ho velogny.20Tamin'izà fotoa izà i Mosesy gne teraky; izy da tsara teo anatrehan'Andriamanitry ary notezay telo volagny tao an-dragnon'Iabany. 21Rehefa najoso tegny ivelany izy, da gne zanaka viavin'i Farao gne nananga sy niteza anazy mitovy amè zanany lahy.22I Mosesy da nampianary ireo fahendre rehetra nanagnan'gne Egyptiana, ary izy da nahery tamè zakany sy gne asany. 23Ka rehefa ho efapolo taogny izy, tonga tao am-pony gne hitsidiky ireo rahalahiny, zanak'Israely. 24Nahita israelita raiky izay nampahoria ka niaro anazy i Mosesy sady namaly an'ilay izay nampahory anazy tamè famonoa ilay Egyptianina: 25Nihevitry izy fa ho azondreo rahalahiny fa tamè alalan'gne tagnan'Andriamanitry gne nanavotry andreo, nefa da tsy azondreo izà.26Gne andro manaraky da tonga tao amin'ireo Israelita sasany izy raha indreo nifanditra; nanandrany gne nampishigny gne tsirairay avy izy, nizàka hoe: "Ry lehilahy, anareo da mpirahalahy, magnino anareo gne mifandratra?" 27Fa gne raiky izay nagnano tsy nety tamè namany nanosiky anazy, ay nizàka hoe: "Ia gne nanendry anao ho mpanapaky sy hitsara anay? 28Tianao gne hamono anah, mitovy gne namonoanao ireo Egyptiana omaly?"29Nilefa i Mosesy rehefa naharè izà; lasa mpiavy izy tao amè tanin'gne Midiana, izay niterahany gne zanany roy lahy. 30Rehafa tapitry gne efapolo tao, nisy anjely raiky nitranga taminy tany agn'efitry teny amè tendrombohitry Sinay, teo amè lelafon'ilay voaroy niretry.31Rehefa tazan'i Mosesy ilay afo, gaga izy tamin'ilay fahitana; ary rehefa nagnato izy ka nagnety ilay izy, nisy feon'i Tompo avy lahatagny nizàka hoe: 32"Iao gne Andriamanitrireo razanao, Andriamanitr'Abrahama, sy Isaka, ary Jakoba." Nalia i Mosesy ary tsy sahy nagnety.33Gne Tompo nizàka taminy hoe: "Alay gne kapa amè tombonao, fa io toeragny izay hitsangagnanao io da toeragny masina. 34Efa hitako gne fijalian'gne vahoakako ao Egypta, reko gne fitarainandreo, ary efa nidigny nagnavotry andreo Iao; ka amisia da alefako ho agny Egypta anao."35Io i Mosesy izay nolavindreo, rehefa nizàka indreo hoe: "Ia gne nanendry anao ho mpanapaky sy ho mpitsara?" Izy gne tokany izay nalefan'Andriamanitry sady ho mpagnapaky gne mpagnavotry. Andriamanitry nandefa anazy tamè alalan'gne tagnan'ilay anjely izay nipoitry tamin'i Mosesy tegny amè voaroy. 36Nitariky andreo hiala tao Egypta i Mosesy, rehefa avy nagnano fahagaga sy famantara tao Egypta sy tegny amè ranomasy mena, ary tegny agn'efitry nandritry gne efapolo tao. 37Io avao ilay Mosesy izay nizàka tamè vahoakan'Israely hoe: "Andriamanitry da hanànga mpaminagny ho anareo eo amè rahalahinareo, mpaminagny mitovy aminah.'"38Izy ilay lehilahy izay tao am-piangona tao agn'efitry niaraky tamin'ilay anjely izay nizàka taminy tegny amè tendrombohitr'i Sinay. Izy ilay lehilahy niaraky tamindreo razantsika; izy ilay lehilahy izay nandray gne teny velona zaray ho antsika. 39Izy ilay lehilahy izay tsy nankatoavindreo razantsika; natosikindreo lavitry andreo izy, ary any ampondreo da nipody tany Egypta indreo. 40Tamin'io fotoa io nizàka tamin'i Arona indreo hoe: " Hamboaro andriamanitry iahay hitariky anay, mitovy amin'i Mosesy, izay nitariky antsika hijoso an'i Egypta, tsy fantatsika izay nitranga taminy."41Ary nagnano omby lahy madigniky indreo tamin'izà andro izà ary ninday fagnatitry teo amin'ilay sampy, ary nifaly tamin'gne asan-tagnany indreo. 42Nitodiky Andriamanitry ary namela andreo ho fiderana ireo kintany egny an-dagnitry, araky gne voasoratry tao amè bokin'gne mpaminagny: "Anareo nanolotry anah biby maty sy fagnatitry nandritrin'gne efapolo tao tagny agn'efitry, tragnon'gne Israely?43Nekenareo gne tabernakelin'i Moloka sy gne kintan' Andriamanitry Refana, sy ireo sary izay naninareo hiderana anazy, ary iao hinday anareo agny ankôtran'Babylona."44Indreo razantsika da nagna tabernakelin'gne fijoroa vavolombelo tao agn'efitry, araky gne baikon'Andriamanitry rehefa nizàka tamin'i Mosesy Izy, izay tokotry naniny nitovy tamin'ilay fomba efa hitany. 45Io ilay tragnolay izay nalaindreo razantsika, ary nindeshiny tao amin'ilay tany niaraky tamin'i Josoa, teo imasondreo razantsika, ireo fanagnan'gne firenegny izay nandroahan'Andriamanitry gne tany izay noraisindreo ho fanagnandreo manokany. Ilay tragnolay da nidoboky tao amin'ilay tany nandritry gne andron'i Davida, 46ary izy da nahazo fankasitrahà tao amè fahitan'Andriamanitry ary nagnotany raha hahita toeragny hidoboa ho an'Andriamanitr'i Jakoba.47Fa i Solomona gne nagnambôtry gne tragno ho an'Andriamanitry. 48Na izà aza, gne Avo indrindra da tsy nidoboky tao amè tragno vita tamè tagna, araky gne voalazan'gne mpaminagny hoe: 49"Gne lanitry gne seza fiandrianako, ary gne tany gne fitoeran-tomboko. Tragno akongaia gne afaky hamboarinao ho anah? hoy ny Tompo, na toera akongaia gne hitsaharako? 50Tsy gne tagnako gne nambôtry ireo zavatry rehetra ireo?51Ireo olo mafy hatoky sy tsy voafora ao am-po sy tadigny, anareo da manohitry fehizay gne Fanahy Masina; anareo da magnano mitovy amè nanin'gne razanareo. 52Ia tamindreo razanareo gne tsy nagneziky mpampinagny? Novonoindreo gne mpaminagny izay niseho talohan'gne fiavin'ilay Fahamarigna, ary amin'izao anareo da lasa mpamadiky sy mpamono anazy koa, 53anareo vahoaky izay nandray gne lalàgna izay napetrakindreo anjely, kanefa tsy nifesainareo izà."54Ary rehefa naharè ireo zavatry ireo gne mpikamba ao amè filan-kevitry, vignitry gne fondreo, ary nihidy vazana indreo tamè Stefana. 55Fa izy, izay feno Fanahy Masina, nagnety tsara gne lanitry ary nahita gne voninahitr'Andriamanitry, ary nahita an'i Jesosy nitsanga teo ankavagnan'Andriamanitry. 56Stefana nizàka hoe: "Iteo, itako misokatry ireo lanitry, ary gne zanak'olo mitsanga eo ankavagnan'Andriamanitry."57Teo amin'izà da nofepegnandreo mpikamba ao amè filan-kevitry gne tadignindreo, ary nikoiky niaraky tamè feo ambony, nihazakazaky indreo negnagny aminy. 58Notaritindreo ivelan'gne tanà izy ary nanomboky nitora-bato anazy indreo, ary ireo vavolombelo da nametraky gne akanjony teo amè tombok'ilay zaza lahy nangia hoe Saoly.59Raha notora-bato an'i Stefana igny indreo, nangaiky mafy gne Tompo izy ary nizàka hoe: "Tompo Jesosy, raiso gne fagnako." 60Nandoaliky izy ary nangaiky tamè feo mahery hoe: "Tompo, ka tazomy izao ota izao hanohera andreo." Rehefa avy nizàka izà izy da maty.
1Fa i Saoly kosa da nagneky gne fahafatesany. Ka nanomboky teo gne fagnenjeha zakabe teo amè fengona tao Jerosalema. Gne mpino marobe da niparitaky nagnodidy gne faritry Jodia sy Samaria afa tsy gne apostôly. 2Fa gne lehilahy natahatry an' Andriamanitra da nandevy an'i Stefana sady nihira gne hira fiderà ho anazy. 3Fa i Saoly koa sa tam'zay da nanimba gne fengona maro tao; nitety tragno maro izy ka nalainy gne lehilahy sy gne viavy ary da nogadràny tagny amè tragno figadrà.4Fa gne mpino niparitaky tegny magnodidy tegny koa da lasa nitori-teny. 5I Filipo tamin'izay nidigny tagny Samaria ary nitory an' i Jesosy Kristy tamindreo.6Raha vao nahita sy naharè gne famatara nampianarin'i Filipo gne vahoaka marobe tao, da lasa nilamy say indreo niteno gne raha nampianariny. 7Gne devoly nahazo andreo da niala tsy nangatak'andro niaraky amè feo mafy be, ary gne biko sy gne marary tao aby koa da sitragny. 8Noho izany da nisy afalia zakabe vaovao tamnio tanà io.9Fa nisy koa lehilahy raiky angiandreo amin'gn' agnara hoe Simona taminio tanàmbè io, izay mbola tselatsela gne nitazomany gne Azary na Moara tao aminazy; kaperatry gne vahôka tao Samaria tamin'azy raha mizaka izy fa olo mana gne maha izy enazy. 10Gne Samaritana nipetraky tamè tanà teo aby, nanomboky amè koboty kidy ka atramin'gne mavozo, da nieky anazy aby ary da niteno gne zakany; ary hoy indreo hoe: "Io lehilahy io da tsy iza fa gne fahefàn' Andriamanitra izay lalatsika am' gne agnara hoe Ambony indrindra". 11Notenomindreo zaka izy satria da nagakàky indreo nandritry gne fotoa ela tamè fanagnany Azary sy Moara.12Fa rehefa nino an' i Filipo kosa indreo noho izy nitory gne baiboly mikasiky gne fanjakan' Andriamanitra sy gn'agnaran'i Jesosy Kristy, da lasa natao batisa indreo na gne viavy na gne lehilahy. Ndre da i Simona aza da nagneky tokôtry, 13ary tafaran' gnè nagnamboara batisa anazy da niaraky tam'i Filipo. Rehefa hitany gne famantara sy gne karazan'asa mahagaga maro niseho tegny da nangakàky teo izy.14Ary rehefa naharè gn'Apostôly tao Jerosalema fa nino gne zakan'Andriamanitry gn'olo tao Samaria, nagniraky an'i Petera sy Jaona indreo andeha tagny. 15Rehefa lasa izy roy lahy da nivavaky ho andreo gne Apostôly sisa mba andraisandreo gne Fagnahy Masy. 16Fa mandrampahavin'izany fotoa izany, da mbola tsy nandray gne Fanahy Masy mihitsy indreo, fa vita baitsa tamin'gnè agnaran'i Jesosy Tompo fotsiny. 17Rehefa avy i Petera sy Jaona, nametra-tàgna tamindreo ka nandray gne Fanahy Masy indreo.18Ary rehefa hitan'i Simona fa gne Fagnahy Masy da natolotry tampelatagnan'gne Apostôly tamin'gnalalan'gne fametrà-tagna, da nagnazotso vola izy ka nomeny andreo. 19Sady hoy izy hoe: "Omeonareo anà koa izany fahefà zany, ka izay olo hametrahako tagna da afaky mandray gne Fagnahy Masy koa."20Fa hoy i Petera tamin'azy hoe: "Ho maty miaraky aminao gne volafotsinao, satria anao nieritreritry gne ahazo gne fahefàn'Andriamanitra amin'gnè vola. 21Tsy mana tandrify am'zany anao satria gne fònao da tsy marigny eo akatrefan'Andriamanitra. 22Noho izany, mibebaha eky amin'gne faharatsiano, ary mivavaha amè Zagnahary sao mba mety hamela gne nofinofinao Izy. 23Fa iaho kosa da mahita fa anao da vôvosavin'gne lolom-po sy vôfehin'gne fahotà".24Fa i Simona namaly sy nizaka taminazy hoe: "Mivavaha ho anà amin'i Tompo mba ts'andaitry gne raha nozakainao teo."Rehefa nijoro vavolombelo sy nagnambara gne zakan'gne Zagnahary indreo, da niverigny tagny Jerosalema i Petera sy Jaona nitory gne baiboly tamè tanà marobe tao Samaritana.26Nisy anjelin' i Tompo nikorà tamin'i Filipo sady nizaka hoe: "Mitsangàna ary mandehana agny atsimon-dàla midigny avy agny Jerosalema mandeha agny Gaza". 27Lasa nitsanga izy ary nandeha. Tsitapitapitr'zany, nisy lehilahy raiky avy agny Etiopia, olo tandapan' i Kandasy, mpanjaka viavin'gne Etiopiana. Izy gne mpandidy sy mpanapaky gne harena nisy tao. Avy lasa tagny Jerosalema koa izy mba hidera. 28Ary nody izy avy teo ka nipetraky tambonin'gne kalesiny ary namaky gne boky nosoratan' i Isaia mpaminany.29Ary ilay Fagnahy nizaka tamin'i Filipo hoe: "Mandehana ary ka miala lavitry an'io Kalesy io." 30Lasa niazakazaky nagnato anazy izy, ary naharè azy namaky teny tao amin'Isaia mpaminany, ary nizaka hoe: "Mba azonao gne dikan'io raha vakinao io?" 31Nizaka ity Etiopiana nagnano hoe: "Akôry gn' ahafantarako raha tsy misy olo mitari-dala anà?" Niangavy an'i Filipo izy mba agnato gne kalesa ary hipetraka eo ambony.32Ary gne soratra Masina novakin'ity Etiopiana ity da nizaka hoe: "Nindesy novonoy mitovy amè ondry izy, ary mitovy amè zanak'ondry moha eo akatrefan'ny mpihety anazy, noho izany da tsy nagnano vava izy. 33Fa tamè fotoa nangalà-baràka anazy da nalà taminazy gne marigny. Araka izany, Ia gn'afaky hanoro mazava gne taranakiny? Noho gne ainy novonoy teto ambony tany."34Noho izany da nagnotany an'ity mpanjaka i Filipo nizaka hoe: "Miangavy aminao aho, olo iza gne koragnin'io mpaminany io, izy vatany sa olo afa?" 35Nanomboky teo nizaka i Filipo ary nanomboka tamin'izany soratry Masy izany gne nitoriany gne baiboly momba an'i Jesosy taminazy.36Rehefa tegny an-dala indreo, nagnato toera misy rano, ary hoy ity tandapa ity tam' Filipo hoe:" Itoa misy rano. Ino gne sakagny tsagnamboara batisa anà?" 37( Fagnamaria: "Raha mino amè fònao rehetra anao da afaka atao batisa." Hoy ity Etiopiana tandapa namaly hoe: "Mino aho fa i Jesosy Kristy gne Zanak'Andriamanitra.") 38Nasain'ity Etiopiana najano gne kalesy. Nidigny tan-drano indreo ka nagnano batisa azy i Filipo.39Rehefa niakatry am-botry in-dreo, noentin'gne Fanahin'i Tompo i Filipo ka tsy hitan'ity tandapa 'ty koa, fa izy kosa lasa nandeha niaraky amè fò feno haravoa. 40Fa i Filipo lasa nandeha niseho tagny Azota ary nitety gne faritry magnodidy io tanà io nitory gne vaovao mahafaly eraky gne tanam-bè rehetra mandra-pahatongavany tagny Kaisaria.
1Fa i Saoly kosa da mbola nagnano zaka mampangorohoro sady zaka mampibiby hamono gne mpianatry Tompo, nandehanany tagny tagny amè mpisoronabe 2ka nagnotaniany gne taratasin'gne synagoga tao Damaskosy, ka raha mahita olo na ia na ia eo amè lala hombàny izy, avy da hoentiny ho gadrainy agny Jerosalema indreo.3Raha mbola tegny an-dalagny izy, efa marìny gne faritry Damaskosy, nisy hazavà namirapiratry nagnodidy anazy avy agny akaboa amè lagnitry; 4nikoropapafiky tamè tany izy sady naharè feo nizaka hoe: "Saoly, Saoly, nagnino anao magnenjiky anà?"5Fa i Saoly kosa namaly hoe: "Ia Anao me, Tompo?" Hoy ny Tompo: "Iaho gne Jesosy izay enjehinao, 6mitsangàna teo anao da midira amzay tanà andefasako anao ary ho ambarako anao gn'asa izay tsy maintsy amboarinao raha avy ao anao." 7Fa gne lehilahy niaraky nandeha tomboky tamin'i Saoly kosa da nidàgnaky sady kaperatry tsy nahazàka, naharè gne feo kanefa tsy nahita olo ndre raiky.8Nitsanga tokôtry i Saoly, rehefa nabalakiny gne masony, tsy nahita ndre ino ndre ino; ka gn'olo namany niaraky taminazy gne nitantagny gne tagnany ka noentindreo hoagny Damaskosy izy. 9Jamba nandritry gne telo andro izy, sady tsy nihina gne tsy nisotro.10Ary nisy mpianatra tao Damaskosy hangian'olo amè agnara hoe Ananiasy. Nizaka taminazy tamè fahità gne Tompo: "Ananiasy!" Hoy izy: "Akôry, ity iaho." 11Nizaka taminazy Tompo hoe: "Mitsangàna eo anao, mandehàna amin'gne lala atao hoe Imahitsy ary raha avy ao andragnon'i Jodasy, da mangataha amin'izay lelahy atao hoe Saoly zay, avy agny Tarsosy izy, fa mivavaky izy. 12Efa nahita tamè fahità tamin'i Ananiasy izy ary hametra tagna eo aminazy ka mety ahita koa izy.13Fa namaly i Ananiasy hoe: "Tompo, efa rèko tamin'olo maro gne momba io olo io indrindra fa gne momba gne ratsy namboariny tamin'gn'olo masina tao Jerosalema. 14Nana fahefà tamè lohan'gne mpisorona izy nahafahany nisambotra gn'olo nangaiky gn'agnaranao tetoa." 15Fa namaly gne Tompo taminazy hoe: "Mandehana fa izy gne ataoko fitaova izay efa nofidiko, izy gn'hinday gn'agnarako eo akatrefan'gne tsy mpino sy gne lonaky amè mpanjaka ary indrindra gne taranak'Israely; 16fa ambarako ho hitan'gne masony gne fijaliany noho gn'agnarako17Da lasa tokôtry i Ananiasy ary da nitsòky tan-dragno. Nametra tagna teo ambonin'gne lohany izy ka nizaka hoe: "Aminao rahalahy Saoly, i Tompo Jesosy izay nibôky taminao tan-dàla taminao nandeha taty igny gne nandefa anà aminao taty mba tsy ho jamba koa gne masonao ary da ho feno Fanahy Masina anao." 18Tselatsela da nisy raha niala tamè mason'i Saoly, raha mitovy amè sisim-bily, da nahita tokôtry izy avy teo, lasa izy nitsanga ka nanindreo batisa; 19ary avy eo nisakafo izy ka voky, da natajaky. Raha vita izany da niara-nidoboky tamè mpianatry nandritra gn'andro maro tao Damaskosy izy.20Avy da nagnely an'i Jesosy tao amè Synagoga i Saoly, tsy nisalasala gne nizaka fa Izy gne zanak'Andriamanitra. 21Gn'olo naharè gne toriteniny da nangakàky aby ary nizaka hoe: "Tsy ity olo ity gne namono gn'olo tao Jerosalema izay nizaka gn'agnaran'i Jesosy? Da avy tetoa izy nangala andreo ho fihezy agny amè mpisorombe." 22Kanefa, lasa nahery fò i Saoly ary nampahery gne Jiosy nipetraky tao Damaskosy ka noporofoiny fa i Jesosy da mbola i Kristy koa.23Andro maromaro taty afara, nagnano paikady hamono anazy gne Jiosy. 24Kanefa da efa fantatry i Saoly gne fikan-dreo. Ary indreo da niamby gne vavahady isan'andro mba hamonoa azy. 25Fa gne mpianatriny kosa nangala anazy raha mbola hariva gn'andro, navelandreo hidigny amè rindry izy ary nazoboky tagnaty haro.26Rehefa avy tao Jerosalema izy, nagnôtry nagnato gne mpianatry i Saoly, kanefa nataotry gne mpianatry ary tsy nino fa mpianatry koa izy. 27Tamin'izay, nalain'i Barnabasy izy ka nentiny teo amin'gn'Apostôly, ary hoy izy tamindreo, akôry gne nahitan'i Saoly gne Tompo tan-dàla tegny sy gne nizakàn'i Tompo taminazy, ary akôry gne nitorian'i Saoly tamè fahasaia tamin'gne agnaran'i Jesosy tao Damaskosy.28Nifagnato tamindreo izy rehefa niditra sy nivoaky an'i Jerosalema. Nizaka tamim-pahasaia tamin'gne agnaran'i Jesosy izy 29ary niaraky niady hevitry tamindreo Jiosy Grika; nefa da mbola nana valavo atroky indreo ka mbola hamono anazy. 30Rehefe fantatr'ireo rahalahiny izany, nindesindreo nidigny tagny Kaisaria izy ary nalefany ho agny Tarsosy.31Ary gne fiangona magnodidy an'i Jodia rehetra ary i Samaria da nahazo fiadàna ary nitsanga aby; nandeha tamin'gne tahotra gne Tompo sy tamin'gne fampaherezan'gne Fanahy Masina ka nitombo isa gne fiangona. 32Ary da nisy datò izany, raha nandeha nitety gne faritry maro i Petera, da lasa nidigny tagny amin'ireo mpino nipetraky tao amè tanàn'i Lyda koa izy.33Nahita olo atao hoe Enea tao izy, izay narary tam-pandria nandritry gne valo tao satria nalemy gne vatany. 34I Petera kosa nizàka taminazy hoe: "Enea, mitsabo anao i Jesosy Kristy. Mitsangàna ary haorogno gne fandrianao," ary niaraky tamin'izay da nitsanga izy. 35Fa gn'olo nipetraky tao Lyda sy tao Sarona da nahita ity lehilahy ity ka nitodiky tamin'i Tompo indreo.36Ary nisy mpianatry raiky atao hoe Tabita tao Jopa, izay hangiandreo hoe "Dorkasy." Nagnano asa soa maro io viavy io ary nagnano fangnampia maro sy asa fiantrà ho an'gne sahira. 37Tamin'izany andro izany da narary izy ary maty; rehefa nampoandro anazy indreo da napetrakin-dreo tamè efitragno ambony izy.38Satria efa nanakeky an'i Lyda i Jopa, ary naharè gne mpianatra fa tao i Petera, da nandefa olo roy tagny aminazy indreo ary niangavy anazy: "Mba mevia rô aminay agny ka mangatak'andro." 39Niaraky tam' zay, nitsanga i Petera ary nandeha nindray tamindreo. Raha avy tagny, niditry tamè efitry ambony indreo, ary gn'olo tsy manambady sy maty vady aby da nitsanga teo agnilany teo sady nitomagny, nagnambara anazy gne lamba nisikininy gne Dorkasy taminazy mbola velo.40Nampandehanin'i Petera niala gne efi-tragno indreo, nandohaliky ary nivavaky izy; avy eo, nitodiky tamè faty izy nizaka hoe: "Tabita, Mitsangàna." Nosokafany gne masony avy eo, ary nahita an'i Petera izy da nitrôtry. 41Avy teo, natolotry Petera anazy gne tagnany sady nampitsanga anazy izy; ary rehefa avy nangaiky gne mpino sy gne olo tsy manambady izy, da nambarany tamindreo fa velo izy. 42Nalaza sady niely magnodidy an'i Jopa izany fahagagà zany, ka olo maro be lasa nino ny Tompo. 43Tamin'izay i Petera da nipetraky nandritry gn'andro maromaro niaraky tamin'ity lelahy atao hoe Simona ity tao Jopa, izay mpandoko hoditra.
1Ary nisy lehilahy raiky tao amè tanàn' i kaisaria atao hoe Kornelio, kapiteny miaramila Italiana. 2Lehilahy mpivavaky, manompo gne zagnahary miaraky amè fianakaviany; nizara gne vola be matetiky tamè sahira izy, ary da nivavaky datò tamin'Andriamanitra.3Tokony tamè sivy ora mandraigny teo ho eo, nahita raha namirapiratry nazava tamè fahità gn' anjelin' gn'Andriamanitra nagnato anazy izy. Hoy ity anjely taminazy hoe: "Ry Kornelio!" 4Kornelio nagnety gn' anjely sady nivadifò ka nizaka hoe: "Akôry, ino ity tompoko?" Da hoy ity anjely namaly hoe: "Gne vavakinao sy gne fangnampia naninao tamè sahira da lasa fagnomeza sady soro agny amè Zagnahary. 5Magniràha anao lehilahy raiky andeha agny amè tanàn' i Jopa mba hangala izay olo atao hoe Simona, izay fantatrin'gnolo amè agnara hoe Petera. 6Midobòky miaraky amin'i Simona mpandoko hoditry izy, izay egny amoron-dranomasy gne tragnony.7Raha lasa nikòdifitry igny gn'anjely nikoraha taminazy da nangaiky gne roy tamè mpiasany an-dragno i Kornelio sady miaramila mpivavaky be tamè mpiasany. 8Nozakain'i Kornelio tamindreo gne raha nisy tagny ary nalefany handeha agny Jopa indreo.9Omarain'igny tokony tamè enina nandraigny teo, raha mbola tegny an-dàla indreo ka efa marìny gne tanà, fa i Petera kosa niakatry ambony tafotragno nivavaky. 10Nanomboky mosarè izy ka nitadia sakafo, kanefa gn'olo mbola teo am-pandrahoa sakafo, da nahita fahità izy, 11nahita gne lagnitry nisokatry izy ary nisy vata fagnompia lamba nidigny avy agny ambony agny mitovy amè lamba nidigny tamè tany 'zay ampidìgny amè sisiny efatry. 12Tagnatin'io gne nahità karaza biby mana tomboky efatry sy biby mandandy ary voro avy an-dagnitry.13Nisy feo nizaka taminazy hoe: "Mitsangàna ry Petera, mamonoa ary mihinana." 14Fa hoy i Petera hoe: "Tsy efako, Tompo; satria mbola tsy nihina raha tsy azo hoany sady maloto aho." 15Kanefa, nipody fagnidroany taminazy koa igny feo igny hoe: "Gne nosasàn'Andriamanitra da tsy azo hangia hoe fady." 16Niboda fagnitelony izany feo zany; ary avy eo igny vata igny, nipody niakatra an-dagnitry tselatsela teo17Ary raha mbola sahira mandiky gne hevitry gne fahità igny i Petera, da itoa gne lehilahy nalefan'i Kornelio nitsanga tamè vavahady fidira, ary nagnotaniandreo gne lala miditry an-dragno. 18Da nikoiky indreo ary nagnotany gne misy an'i Simona 'zay hangia hoe Petera, izay nidobòky teo.19Raha mbola mieritreritry an'igny fahità igny avao i Petera, da nisy Fanahy nizaka taminazy hoe: "Itoa misy olo telo lahy mitadia anao. Raha adika amè zaka taloha da hoe: "Lehilahy roy gne mitady anao" na "misy lehilahy sasany mitadia anao.) 20Mitsangàna ary midìgna ka mindresa amindreo. Ka misalasala gne miaraky amindreo satria Iaho gne nagiraky andreo. 21Da nijotso tokôtry i Petera ka nizaka tamindreo hoe: " Ihao io olo tadiavinareo io. Ino gne antony nandeananareo aty?"22Hoy indreo namaly an'i Petera hoe: "Gne miaramila kapiteny atao hoe Kornelio, olo marigny sady midera an'Andriamanitra ary da tsara laza amè firenena Jiosy rehetra 'ty, izay natoron'gn'anjely masin'Andriamanitra mba hangàla anao handeha agny an-dragnony, noho izany afaky miteno gne afatry avy aminao izy." 23Avy eo nozakain'i Petera indreo mba hitsòky sady hijano miaraky aminazy. Gne omaray mandraign'igny, lasa nitsanga izy nandeha niaraky tamindreo, ary gne sasany taminireo rahalahy avy tagny Jopa da lasa nagnaraky anazy koa.24Tamin' gn'andro nagnaraky, niditra tao Kaisaria indreo. I Kornelio kosa niamby andreo ka nangiany niaraky teo gne havany sy gne namany mariny anazy.25Ary tamin'izay rehefa nitsoky i Petera da nifankaita tamin'i Kornelio ary nandohalika teo amè tombony mba hidera anazy. 26Fa i Petera kosa nagnampy anazy sady nizaka hoe: "Mitsangàna! Olo mitovy aminao evakoa iaho."27Raha mbola nikoraha niaraky taminazy i Petera da niditry izy sady nahita olo marobe niaraky nivavaky. 28Hoy izy tamindreo hoe: "Gne tegnanareo da mahalala fa tsy mifagnaraky amè Jiosy gne miara-mihina na mamangy olo avy amè firenena afa. Efa nambaran'Andriamanitra taminà fa tsy azoko ekè gne mangaiky olo fady na olo maloto. 29Izany gn'antony nahavy anà nandeha tsy nikasokaso raha nirahany iaho. Etoa iaho da magnotany anareo hoe nagnino anareo magniraky ho anà."30Da hoy i Kornelio hoe: "Efatry andro alohan'izao lera' zao da nivavaky tan-dragnoko iaho tamè sivy nandraigny teo; nahita iaho lehilahy nitsanga teo ankatrefako nisiky akajo mamirapiratry. 31Da hoy izy taminà hoe: "E Kornelio, efa rèn'Andriamanitra gne vavakinao, sady gne raha nomenao gne sahira da ahatsarovan'Andriamanitra gne momba anao. 32Noho izà sa, da magniraha olo anao andeha agny Jopa, da amboaro gne ahavy ao aminao an'igny lehilahy hangia hoe Simona igny na i Petera gn'afataran'olo sasany anazy. Midobòky an-dragnon'i Simona mpandoko hoditry izy izay mipetraky ery amoron-dranomasy ery. '(Fagnamaria: gne fandika zaka taloha da notovàna hoe: "Raha avy izy da hikoraha aminao." 33Sady tsy mangatak'andro da ho alefako ho anao. Tsara gne fevianao. Amizao lera ikoragnatsika zao koa sa, isika aby avy etoa ankatrefan'Andriamanitry etoa, hiangavia mba gne zaka nambaran'i Tompo taminareo gne ambaray." (Fagnamaria: "Raha gne tokony ho izy: "gne nozakain'i Tompo avao gne zakay" fa gne dika-teny taloha da mizaka koa hoe: "gne nozakain' Andriamanitra gne rohono.")34Avy teo da nosokafan'i Petera gne vavany ary nizaka izy hoe: "Da marigny datò, fantatro fa Andriamanitry da tsy magnavaky na ia na ia. 35Kanefa sa, ndre da agny amè firenè hafa agny, na ia na ia midera sy magnano asa marigny da ekèny agnaby.36Fantatrinareo gn'afatry 'zay nalefany ho an'gne Israely raha avy nagnambara gne filazatsara mikasiky gne fiadàna tamè alalan'i Jesosy Kristy izy, izay Tompon'gne raha aby. 37Anareo sy gne tegnanareo da mahalala gne raha niseho, izay da hita tokôtry tagny Jodia, nanomboky tagny Galilia tafaran'gne batisa nozakain'i Jaona; 38tao koa gne raha niseho mikasiky an'i Jesosy avy agny Nazareta, gne fomba nagnosoran'Andriamanitra anazy tamè Fanahy Masy sy tamè hery tsy hita maso. Nandeha nagnano gne tsara izy sady nagnasitragny gn'olo tratrin'gne devoly satria da hita fa i Andriamanitra da niaraky taminazy.39Fa isika koa sa da vava velon'gne raha vitan'i Jesosy aby, na tagny amè tanin'gne Jiosy na tagny Jerosalema. Novonoindreo izy tamè alalan'gne fangnasampigna anazy tamè hazo fizalia, 40fa gn' Andriamanitra kosa da nagnatsànga anazy tamè andro faha telo ary da naniny gne ahità anazy, 41tsy gne olo aby fa gne vava velo zay voafidin'Andriamanitra taloha fa indrindra tamitsika nisotroky sady nindrano niaraky taminazy tafaran'gne nitroafany tamè maty.42Nibeko anazy izy mba hagnambara amè olo aby sady hijoro vava velo fa izy gne nofidin'Andriamanitra ho mpitsara gne velo sy gne maty. 43Ho anazy gne hisehoan'gne mpaminany vava velo mba gne mino anazy gne handray famotsora fahotà avy amè agnarany.44Raha mbola nizaka an'izany i Petera, da nibotràky tamindreo zay niteno gne afatriny gne Fagnahy Masy. 45Gn'olo tao agnatin'gne mpino voafora aby da niaraky tam'i Petera sady gaga satria gne fagnomezan'gne Fagnahy Masy da nirotsaky ho an'gne tsy mpino evakoa.46Fa rèndreo gne tsy mpino mizaka amè zaka afa sady mankalaza gn'Andriamanitra. Da namaly i Petera hoe: 47"Misy olo me afaky mitàzo gne rano mba tsy hagnamboara batisa andreo, gn'olo nandray gne Fagnahy Masy mitovy amtsika koa? 48Da nibeko anazy indreo ho atao batisa amè agnaran'i Jesosy Kristy izy. Nangataky anazy indreo mba hidibòky hiaraky amindreo mandritry gn'andro vitsivitsy.
1Gne Apostôly sy gne rahalahy zay tagny Jodia naharè fa gne Jentilisa da nandray gne zakan'Andriamanitra. 2Raha niakatry tagny Jerosalema i Petera, da nokiagnin' gn'olo tao amè tokon'olo voafora izy; 3da hoy indreo hoe: "Anao koa me nikamba tamè lehilahy tsy nitapaky sady niaraky nisotroky tamindreo!"4Fa i Petera nanomboky nagnazava gne raha niseho tamindreo; hoy izy hoe: 5"Efa nivavaky tagny amè tanàn'i Jopa aho ary nahita fahità mikasiky gne vata nilatsaky avy an-dagnitry mitovy amè lamba zakabe, zay nijotso amè zorony efatry. Nilatsaky teo aminà izany. 6Nagnety gne lagnitry iaho tam'zany sady da nandiniky gne mikasiky an'zany. Hitako gne biby mana tomboky efatry, gne biby agn'ala, gne biby mandady sy gne voro amè lagnitry.7Avy teo aho da naharè feo nizaka taminà hoe: "Mitsangàna anao Petera; mamonoha sady mihinàna." 8Da hoy iaho tam'zay hoe: "Tsy magneky iaho Tompo; mbola tsisy raha tsy masigny sady maloto niditry tam'ty vavako 'ty." 9Da mbola namaly avao igny feo igny hoe: "Gne nozakain'Andriamanitra fa madio da ka atao hoe maloto." 10Da mbola niseho fagnitelony izany feo 'zany, ary lasa niverigny an-dagnitry aby gne raha nidigny teo aby.11Tapoky teo, nisy olo telo lahy nitsanga teo amè nisy anà; olo avy tagny Kaisaria nandeha aminà aty indreo. 12Gne Fagnahy da nibeko anà hindray amindreo ary da tsy tokotry hisy olo tsy ho tiàko gn'amindreo. Io lehilahy enina io da nadeha nindray taminà sady nitsòky t'andragnony iahay. 13Sady nizaka taminay fa nahita anjely nitsanga tan-dragnony ary nizaka hoe: "Magniràha anao lehilahy agny Jopa ka hindeso mipody aty i Simona zay hangian'olo hoe Petera. 14Hizaka afatry raiky aminao izy, izay afatry ahavôvonjy anao sy gne havanao aby."15Raha vao nizaka tamindreo aho, avy da nilatsaky tamindreo gne Fanahy Masy, mitovy amè nidignany taminay tagny amè vôlohany. 16Tadidiko tam'zay gne zakan'i Tompo sy gne nizakàny anay hoe: "I Jaona da nagnano batisa tamè rano tokôtry; fa anareo koa da mila hanigny batisa amè Fanahy Masy."17Raha gn'Andriamanitry gne nagnome andreo fagnomeza mitovy amè nomeny atsika tam'tsika nino gne Tompo Jesosy Kristy, ia koa sa gne afaky hanohitry gn 'Andriamanitra? 18Raha rèndreo izany tsy nisy navaly na ino na ino indreo afa tsy gne nidera an' Andriamanitry sady nizaka hoe: "Fa gn'Andriamanitra da nagnomè fibebaha amè fiaina ho an'gne Jentilisa koa."19Gn'olo napilefasy vokatry gne fangnenjeha nanomboky tamè fahafatesan'i Stefana da niparitaky tagny Foinika, tagny Kyprosy sy Antiokia; fa indreo da nagnambara gne afatry mikasiky an'i Jesosy tam'gne Jiosy raiky avao. 20Fa gne sasany tamindreo, avy tagny Kyprosy sy Kyrena, da lasa tagny Antiokia nagnely tamè Grika sady nizaka tamindreo gne filazatsara mikasiky an'i Jesosy Kristy Tompo. 21Gne tagnan'i Tompo da niaraky tamindreo isan'andro ary da olo marobe gne nino sady nitodiky tam'Tompo.22Gne vaovao mahakasiky andreo da avy apoto- sofin'gne fengona tao Jerosalema, sady indreo koa nagniraky an'i Barnabasy handeha agny Antiokia. 23Raha avy tagny izy da nahita gne fagnomezan' Andriamanitra sady gne sady falifaly; sady nampahery andreo mba hifikitry miaraky am'Tompo amè fò rehetra. 24Satria izy da hita fa lehilahy feno Fagnahy Masy sy finoa sady olo maro gne lasa nagnaradia an'i Tompo.25Da lasa nandeha tagny Tarsosy i Barnabasy hitadia an'i Saoly. 26Raha hitany izy da nindesiny tagny Antiokia. Ary da nandritry gne tao-raiky indreo da niara nivavaky tao amè fengona sady nampianatry gn' olo maro. Io mpianatry io gne nitondra gne agnara Kristiana vôlohany tao Antiokia.27Sady tam'zany andro zany da nisy mpaminany maromaro nidigny avy tagny Jerosalema nandeha agny Antiokia. 28Agnisany gne nindray tamindreo i Agabo gn'agnarany; nitsànga izy ary nahazo honofy tamè Fanahy fa hisy mosary zakabe ho avy eran'zao tontolo 'zao. Da avy tokôtry izany tam'gn'andron'i Klaodio.29Noho izany, gne mpianatry araky gne fahafahan' gne tsikiraikiraiky da nanapa-kevitry fa hagnomè sady handefa fagnampia ho an'gne rahalahiny mipetraky agny Jodia. 30Namboarindreo izany sady nandefa vola ho an'gne loholo tagny tamè tanàn'i Barnabasy sy Saoly.
1Tamin'izany andro zany, i Heroda mpanjaka nisambotry gne sasany tao amè fengona mba afahany mikobioky andreo. 2Tamin'izany da novonihiny tamè sabatry i Jakôba rahalahan'i Jaona.3Raha hitany fa nahafaly gne Jiosy izany da nagnano izay hisambora an'i Petera koa izy. Nandritry gne fankalazà gne andron'gne mofo tsy mavaivay izany. 4Raha avy nosambory izy da nogadràny tamè tragno figadrà sady nanondro miaramila efatry toko izy hiamby anazy sady naminavina gne hitondra anazy eo akatrefan'gne olo maro raha vita gne Paska.5Noho izany da nigadra tao eky i Petera, fa namboarin'gne mpivavaky nagnolaly gne vavaky tamin' Andriamanitry ho anazy tao amè fengona. 6Gne harivan'ny gne hindesan'i Heroda anazy hotsaray, natory teo agnelagnelan'gne miaramila roy lahy i Petera sady nifehy rozy vy raha mbola niamby gne tragno figadrà gne mpiamby.7Tamin'zany, io fa nisy anjelin'i Tompo nibôky nalàky teo agnilany sady nisy hazavà namirapiratry tamè tragno figadrà. Nomeny takapoky teo amè tarehiny ilany i Petera ka namoha anazy izany sada hoy izy hoe: "Mitsangàna malàky anao," niaraky tamin'izay gne rojo vy tamè tagnany da tataky. 8Da hoy gne anjely taminazy hoe: "Misikina akanjo anao sady magnamboara kiraro." Tsy nisalasala i Petera fa avy da nagnano. Da mbola hoy ity anjely taminazy farany: "Hisikino gne akanjonao ambony sady magnaraha anà."9Lasa nagnaraky an'igny anjely igny i Petera sady nijotso. Kaiky tsy fantatriny fa raha gne raha namboarin'igny anjely teo igny da tena izy. Nihevitry izy fa nahita fahagagà. 10Raha avy nandalo tamè mpiamby vôlohany sy faharoa indreo da avy teo amè vavahady vy izy lalagny mandeha amè tanà; da nidagnadagna hoazy tamindreo io varangara vy io. Da lasa nijotso indreo ka nandeha nagnaraky lala raiky nefa igny anjely igny tsy hitany satria lasa tampoky avy teo.11Raha nipody gne sain'i Petera da nizàka izy hoe: "Am'zao andro hizakako zao da fantatriko tokôtry fa gne Tompo gne nandefa an'igny anjely igny sady hagnafaky anà amin'i Heroda sy tamè raha maro be nodiasan'gne Jiosy ho ataondreo amnà. 12Fa raha tsapany izany da raoky izy nandeha andragnon'i Maria, endrin'i Jaona, hangia amè agnara hoe Marka, izay nisy olo maro nivorovoro sady nivavaky tao.13Raha nipaipaiky tamè vavahady izy, nisy viavy raiky mpiasa tao hangiandreo hoe Roda namaly. 14Raha fantatriny gne feon'i Petera da faly lôtry izy ka tsy nahavita namoha gne varangara fa lasa nandeha nigodogodoky an-dragno nizàka fa i Petera andra ao amè varangara mitsanga. 15Nizàka taminazy gn'olo tao hoe: "Mola anao 'ty sarô." Fa izy da nihijingijigny fa izy ignao ekè. Nizàka indreo hoe: "Gn'anjeliny evao izany."16Fa i Petera koa sa da nanoy nandondogny evao tatoa, ary raha nosokafandreo gne varangara da nahita anazy indreo sady gaga. 17Nagnetsiky gne tagnany tamindreo i Petera mba tsy aresaky indreo ary nambarany tamindreo gne fomba nitondran'i gne anjely anazy nijotso gne tragno figadrà. Hoy izy tamindreo hoe: "Ambarainareo amin'i Jakôba sy gne rahalàny izany." Raha vita izany da lasa nandeha tamè tany hafa koa izy.18Raha nazava gn'andro da mizy gne fòn'ireo miaramila niamby teo nahita gne raha niseho tamin'i Petera. 19Raha avy nitadia anazy i Heroda kanefa tsy nahita da nagnano akety gne mpiamby teo izy sady nibaiko amè fanapaha gne lohandreo. Da nidigny avy agny Jodia ho agny Kaisaria izy sady nidoboky tagny.20Fa i Heroda da vignitry mafy tamè vahôkan'i Tyra sy Sidona. Niaraky nandeha tagny indreo. Noresendreo lahatry i Blasto, mpiasan'i gne mpanjaka mba hagnampy andreo. Sady nangataky fihavàna indreo satria gne tanàndreo da mandray sakafo fagnampia avy amè mpanjakan'ny gne tanà. 21Tamè andro voatondro, i Heroda, nisiky akajon'ny gne mpanjaka sady nipetraky teo amè seza fiandriana ary nikabaro tamindreo teo izy.22Nikoiky mafy gne vahôka: "Feon'gne Andriamanitra izany fa tsy feon'olo!" 23Tselatsela teo da nisy anjelin'i Tompo namaly anazy; satria tsy nagnome voninahitry ho an'Andriamanitra izy da nohanin'gne aka izy sady maty.24Fa gne zakan'gne Andriamanitra da mitombo sady nihamaro. 25Raha vitan'i Barnabasy sy Saoly gne iraky nampagnamboary andreo da nipody avy tagny [gne sasany aminio dika soratry taloha be mizaka hoe: "Indreo da nipody tagny Jerosalema] Jerosalema indreo sady nitondra an'i Jaona niaraky tamindreo nody, na igny angiandreo hoe Marka igny.
1Raha teo amè fengona tao Antiokia, nisy mpaminany sy mpampianatry maro. Io da i Barnabasy, i Simona (hangia hoe Nigera), Losio avy agny Kyrena, Menahema (igny rahalahy izay nindray tamin'i Heroda mpanjaka igny), ary i Saoly. 2Raha mbola nidera an'i Tompo sy tsy nihina indreo, nisy Fagnany Masy izaka hoe: "Atokano ho anà i Barnabasy sy i Saoly mba hagnano gn'asa nangiako endreo". 3Tafaran'gne nifadiandreo hany sy gne nivavahany sady nametrahandreo tagna tam'reo lehilahy 'reo da lasa nalefa indreo.4Da nagneky gne Fagnany Masy i Barnabasy sy i Saoly ka nandeha nidigny nandeha agny Seleokia; avy tagny indreo da nipitiky amè sambo nandeha ho agny amè nosin'ny Kyprosy. 5Raha tao amè tanàn'i Salamisy indreo da nitory gne zakan'Andriamanitra tam'reo synagogan'reo Jiosy. Sady teo koa i Jaona Marka nagnampy andreo.6Raha namakivaky gne nosy mandeha agny Pafo indreo da nahita mpagnano aody, mpaminany Jiosy sandoka io lehilahy io ary gne agnarany da i Barjesosy. 7Mpagnano aody niara-niasa tam'gne governôra Sergio Paolo izy, sady lehilahy hikohiza gne fahaizany. Nosamborin'io lehilahy io i Barnabasy sy i Saoly satria te aharè gne tenin'Andriamanitra izy. 8Fa i Elyma "mpagnano aody mahery" (gne nandikà gn'agnarany) gne nanohitry endreo; sady niezaky gne handresy lahatry gne governôra niala amè finoany izy.9I Saoly fantatry amè agnara hoe Paoly da feno gne Fagnahy Masy ary nandiniky enazy tsara. 10Sady nizàka hoe: "E 'ty zanaky gne Devoly 'ty, anao da feno fitaky isakarazany sy gne faharatsia rehetra. Fahavalon' gne raha marigny rehetra anao. Tsy hijano gne hitariky gne lala-mahitsin'i Tompo anao, sa tsy izay?11Fa am'zao andro zao sa, gne tagnàn'i Tompo homba anao sady ho jamba anao ary da tsy ahita gne masoandro eky. Tselatsela teo da hitoa gne raha mazavozavo nilatsaky aminy i Elima sy gne fahamizigna; nanomboky nivengivengy sady nangata- tàgna tamin'gn'olo izy mba hitata gne tagnany ho agny amè tanà. 12Raha vatany nahita gne raha niseho gne governôra, avy da nino tokôtry satria kaperatry izy tamè fampenara mikasiky gne Tompo.13Fa i Paoly sy gne namany koa sa da lasa nipitiky amè sambo avy agny Pafo ho agny Perga agny Pamfylia agny. I Jaona koa sa da lasa niala andreo ka nipody agny Jerosalema. 14Lasa i Paoly sy gne namany zay avy agny Perga ka nandeha ho agny Antiokian'i Pisidia. Raha avy teo da lasa koa nadeha agny amè synagoga tamè andro Sabata indreo sady nidobòky tagny. 15Tafaran'gne famakia gne bokin' gne lalàna sy gne mpaminany, nadefa afatry tagny amindreo gne mpitariky gne synagoga nizàka hoe: "E ralahy, raha mana zaka sy afatry fampahereza ho an' gn'olo etoa anareo, avy da zakay amindreo izany."16Nitsanga i Paoly ka nagnano fihetsiky tamè tagnany sady nizàka hoe: "E, anareo olon'ny Israely sy anareo magnome voninahitry an'Andriamanitra etoa, mitenoma anareo. 17Gn'Andriamanitry gn'olon'ny Israely da nitory gne raintsika sady nampitombo isa gn'olo raha nipetraky tao amè tanin'ny Egypta, sady tamè fanandrata gne sandriny gne nitaritany anazy nijotso tao. 18Sady nandritry gne efapolo taona teo gne nandeferany andreo tagny amè tany efitry. (Fagnamaria: gne dika-teny taloha da mivaly hoe: "Nandritry gne efapolo tao tagny amè tany efitra da nitahy andreo izy.")19Raha avy nandrava firenena fito tagny Kanana izy da nomeny gne vahôkatsika gne tamindreo mba ho lovatsika. 20Izany raha niseho zany da efa tamè faha dimanpolo sy efa-jato taogny tagny. Tafaran'izany, Andriamanitra da nagnome mpitsara andreo mandram-pahavin'i Samoela mpaminany.21Avy teo nangataky mpanjaka gn'olo, ka nomen' Andriamanitra andreo i Saoly zanaky lahin'i Kisy avy amè fokon'i Benjamina mba ho mpanjaka nandritry gne efapolo taogny. 22Avy teo Andriamanitry nangala anazy tamè fanjakany ka nanandratry an'i Davida mba ho mpanjakandreo. Fa izany gne nambaran' Andriamanitry mikasiky an'i Davida hoe: "Efa nahita an'i Davida zanak'i Jese Iaho mba ho olon'gne fòko sady hagnano izay tiako ampaboary anazy.23Fa avy amè taranak'io lelahy io gne nitondran' Andriamanitra mpagnavotra ho an'Israely, da i Jesosy izany araky gne efa nampitavandrainy andreo. 24Nanomboky niseho tsikidikidy 'zany talohan'gne nahatongavan'i Jesosy, ary i Jaona nangnambara vôlohany tamè vahôkan'Israely marobe mikasiky gne batisa fibebaha. 25Satria i Jaona da efa nahavita gne asany, hoy izy: "Ia gne fieritreretanareo anà me? Tsy mbola ihao gne tena izy. Tenomo tsara, hisy raiky ho avy afarako sady gne kapa amè tombokiny da tsy mendriky enà gne hanataky enazy.26E, aminareo rahalahy, gne zaza avy amè taranak'i Abrahama sady midera an'Andriamanitry eo aminareo sady ho atsika gne nandefasany izany afatry mikasiky gne famonjè zagny. 27Fa indreo midobòky agny Jerosalema sy gne mpitondra andreo da mihono avao gnamè fisian'zany, ka tanterakindreo gne vôzàkan'gne mpaminany zay tatatatay isaky gne sabata gnamè famonoa anazy.28Ndre da tsy mahita antony tsara hamonoa anazy aza indreo da nangataky tam'i Pilaty avao mba hamonoa anazy. 29Raha vitandreo gne raha voasoratry mikasiky izany da nahidigny ndreo tambonin'gne hazo Izy sady nalevindreo tamè kobory.30Fa gne Andriamanitry nampitrôtry anazy tamè maty. 31Hitan'gne olo niaraky mandeha taminazy niakatry tagny Galilia Izy handea ho agny Jerosalema nanditry gne andro maromaro. Sady amizao andro zao, io olo io gne vava velo ho an'gne olo afa koa.32Noho izany sa, izay nizàka aminareo gne filazantsara izay nampitavandrain'Andriamanitry tam'i Abatsika, sady efa tanteraky ho atsika, 33zanandreo io tamè nanangàna an'i Jesosy. Arak'zany, efa vôsoratry amè salamo faharoy hoe: "Zanako tokôtry anao, androhany evao da Iabanao aho.' 34Gn'antony nanangàna anazy tamè maty sa mba tsy aha-lò mandrakizay gne vatany sady gn'Andriamanitry efa nizàka hoe: "Homeko anareo gne fitahia marigny sy azo antoky nampitavandrain'i Davida."35Da mbola izany gne nahatonga anazy nizàka tao amè salamo hoe: "Tsy avelako gne Masigny ahitanao gne lò." 36Satria raha nangnatanteraky gne fagnirian'Andriamanitry ho anè taranakiny i Davida da nifongàky agny azotory sady napatorihy niaraky tam'i Abany ka gne hainy da tratrin'gne fahafatesa. 37Fa izay natsangan'Andriamanitry da tsy ho tratrin'gne faharavà koa.38Tsara izany ho hainareo rahalahy, fa tamè alalan'io lelahy io gne nagnambarà taminareo gne famelà gne fahotà. 39Noho gne olo tsiraikiraiky mino da vôporofo amè raha rehetra izay mety tsy ho vôporofon'io lalànan'i Mosesy io.40Da mitandrema mafy mba tsahazo anareo gne raha nozakainy gne mpaminany hoe: 41"Anareo mpagnano tsinotsino olo io sa, da ho gaga anareo sady ho ritry. Iaho gne agnano gn'asa amè andronareo, asa izay tsy ninoanareo mitsy ndre da nisy olo nagnambarà an'izany taminareo taloha."42Raha lasa i Barnabasy sy Paoly, da nengavy endreo gn'olo mba hitoriandreo io zaka io amè sabata magnaraky. 43Raha tapitry gne fivoria tao amè synagoga da maro tamè Jiosy sy gne Proselita mahery fò gne nagnaraky an'i Paoly sy Barnabasy, izay nikoraha tamin'izy roy lahy sady namporisiky endreo mba hanohy ao amè fahasoavan'Andriamanitry.44Raha avy gne Sabata nagnaraky da hipiky gne tanà niaraky nivavaky mba hiteno gne zakan'i Tompo. 45Raha nahita gne vahôka maro gne Jiosy da feno felogna indreo sady nizàka nanohitry gne nambaran'i Paoly sady nagneso anazy.46Nizàka tsisy tahatry i Paoly sy Barnabasy hoe: "Tsara ho vôzàka meloha aminareo gne zakan' Andriamanitry. Fa raha mandà anizany anareo sady mihevitry gne hainareo ho tsy magneva gne fiaina mandrakizay da aleonay mipody agny amè Jentilisa. 47Araky gne efa nibekohan'i Tompo anay hoe: "Napetrako anareo ho jiro hagnazava gne Jentilisa, izany gne tokony hitsitsignanareo famonjè ho an'gn'olo agny amzao tontolo zao agny.48Raha vatany rèn'gne Jentilisa izany da doboky afalia sady nidera gne zakan'i Tompo indreo. Sady maro gne vôtendry ho amè finoa sy gne fiaina mandrakizay gne nino. 49Ary niely eraky gne tany gne zakan'gne Zagnahary.50Fa gne Jiosy koa da nandrisiky andreo viavy mafana fò sady mana gne maha izy enazy sy gne lelahy mpitariky tao amè tanà. Lasa fagnenjeha an'i Paoly sy Barnabasy izany ary nandrôky indreo hiala agny amè sisin-tany teo amè tanà. 51Fa i Paoly sy Barnabasy nagnitsa gne bò tamè kapandreo mba hanoera anizany. Avy teo indreo da lasa nandeha agny amè tanàn'i Ikonioma. 52Gne mpianatry tamizay da diboky afalia sady feno fanahy Masigny.
1Raha tao Ikonioma i Paoly sy Barnabasy da niara-nitsoky tao amè Synagogan'ny Jiosy sady nikoraha fa gne vahôka maro be Jiosy sy Grika koa sa da nino. 2Fa gne Jiosy tsy nagneky da nagnakorotagny gne fisian'gne Jentilisa ka nahatonga andreo hanohitry gne rahalahy.3Da nipetraky ela be teo indreo, sady nizàka tsisy tahatry niaraky tame herin'i Tompo tamè nagnomezany porofo mikasiky gne fahasoavany. Izany gne naniny tamè alalan'gne famatara sy fahagagà tamindr'i Paoly sy Barnabasy. 4Kanefa da gne akamaroan'olo teo amè tanà da nizarazara: gne sasany niaraky tamè Jiosy ary gne sasany niaraky tamè Apostôly.5Raha nagnandra nandresy lahatry gne mpitariky endreo gne Jentilisa sy gne Jiosy mba hamono an'i Paoly sy Barnabasy, 6da lasa nifiny indreo sady nilefa nalakilaky tagny amè tanàn'i Lykaonia, Lystra, Derbe sy gne tanà magnodidy gne faritry, 7ka tagny indreo gne nitory gne filazatsara.8Nisy lehilahy raiky zay nipetraky teo Lystra, kilemaigny latagny atrokin'iendriny sady efa tsy nahay nandeha atram'zay. 9Rèn'io lelahy io i Paoly raha nizaka. Niperitry enazy tsara teo amè masony i Paoly ka nahita fa olo mana finoa sady ho sitragny izy. 10Nizàka taminazy tamè feo mafy be izy hoe: "Mitsangàna amè tombonao anao." Raha avy teo da nitsambikimbiky izy sady nandeha tegny amè magnodidy tegny.11Raha nahita gne nanin'i Paoly gne vahôka maro be tao da nikoikoiky mafy nizaka tamè jaka Lykaonia hoe: "Da itoa gne Andriamanitry nijotso avy akaboa agny nidigny amitsika sady niseho amè endrik'olo. 12Fa i Barnabasy da nangiandreo hoe "Jopitera," satria mpikabary izy. 13Io mpisoron'i Jopitera io gne nitondra aomby sady nofieziny gne lohany teo amè vavahady, fa gne Tempoly koa sa da teo akeky gne tanà teo avao, sady koa gne vahôka maro da nagniry gne hagnome raha atao soro."14Gn'Apôstoly Barnabasy sy Paoly, raha vatany naharè izany avy da nanetry gne lambany indreo sady da raoky niazakakazaky malaky hagnato gne vahôka nitretre sady nizaka hoe: 15"O Rony e, ino ity raha naninareo ty me? Iahay toa koa sa da olo mitovy aminareo evakoa sady mahafantatry anizany. Matoa iahay mitondra gne filazatsara aminareo mba elànareo amè raha ratsy sady hitodihanareo amin'Andriamanitry zay nagnano gne lanitry sy gne tany ary gne ranomasy sy gne raha aby. 16Tamè andro taloha sa, Izy raiky evao gne nibeko gne firenè rehetra nandeha amè tandrify enazy aby.17Kanefa sa, izy da tsy nagneky gne tegnany tsy ho hisy vava velo, ary da hita tamizany fa nagnano gne tsara izy ary nagnome rikandro anareo avy an-dagnitry ary koa da nagnome fotoa hamokaranareo amzay gne fonareo voky sakafo sady falifaly." 18Ndre da teo aby izany zaka maro zany, i Paoly sy Barnabasy tsy nijano gne nitazo gne vahôka maro be mba tsagnano soro hoandreo.19Gne Jiosy sasany avy agny Antiokia sy Ikonioma da avy tagny ary nadresy lahatry gne vahôka. Io olo io gne nitora-bato an'i Paoly sy nitariky enazy hiala gne tanà tamizay, sady nieritreritry indreo fa maty izy. 20Raha mbola nitsanga nagnodidy anazy teo gne mpianatry da nitsanga izy sady niditra tao amè tanà. Gn'omarain'igny, da raoky izy nandeha agny Derbe niaraky tam'i Barnabasy.21Raha avy tagny indreo da mbola nagnanbara gne filazatsara tamin'io tanà io sady da mbola nahazo mpianatry maro koa, avy eo nipody tagny Lystra, tagny Ikonioma sy tagny Antiokia. 22Tam'zay indreo da nankahery gne fanahin'gne mpianatry tao sady nandrisiky andreo mba hanohy gne asa ao amè finoa sady nizaka hoe: "Ambarako aminareo eto sa fa tsy maintsy amè fahoria maro be gne afahatsika hiditry am'zany fanjakàn'gne lagnitry zany."23Raha nanendry loholo ho andreo isam-pengona indreo sady nivavaky tamè fotoa fifadiha hany, da natolitr'ndreo ho an'i Tompo izany, izay da ninoan-dreo tokôtry. 24Nandalo tam'i Pisidia indreo ka avy tagny Pamfylia. 25Raha nitory tao Perga indreo tonga da raoky nidigny agny Atalia. 26Avy tagny indreo gne nandray sambo handeha ho agny Antiokia, izay tanà nandresan-dreo gne fahasoavan'Andriamanitry ho an' gne asa vitan-dreo.27Raha vatany avy tagny Antiokia indreo, avy da niaraky tamè fengona nagnano tatitry gne raha vitan' Andriamanitry tamindreo sy gne fomba nanokafany varangara gne finoa ho an'gne Jentilisa. 28Da nidobòky nahadigny ela be teo niaraky tamè mpianatry indreo.
1Gne olo sasany moa da nidigny avy tagny Jodia ho agny Antiokia ka nampianatry gne rahalahiny tao sady nizaka hoe: "Raha tsy voafora mitovy amè fomban'i Mosesy anareo da tsy ho vôvonjy lahateo." 2Kaiky, ity resaky ity, lasa akàny sady ady hevitry be teo amason'gne vahôka ho an'i Paoly sy Barnabasy. Noho izany i Paoly sy i Barnabasy da voatendry niaraky tamè sasany tamindreo hiakatry ho agny Jerosalema mba hifagnatriky amè mpianatry sy gne Apostôly ary gne loholo tagny mikasiky io resaky io.3Lasa nalefan'gne fengona indreo, da namakivaky an'i Foinika sy Samaria ary nagnambara gne fiovam-pòn'gne Jentilisa. Nitondra haravoa zakabe indreo tam'gne rahalahindreo aby. 4Raha avy tao Jerosalema indreo da nampandrosoin'gne fengona sy gne Apostôly ary gne loholo ka nitatitry gne zavatry rehetra vitan'Andriamanitry tamindreo.5Fa gn'olo sasany nino tao amè terak'i Fariseo koa sa, da nitsanga sady nizaka hoe: "Tsara raha foràha indreo sady mitandrigny gne lalàn'i Mosesy." 6Noho izany gn'Apostôly sy gne loholo da niara-nivory mba handiniky izay zava-misy zay.7Tafara'io kabaro be io, nitsanga i Petera sady nizaka tamindreo hoe: "E, rahalahy, efa hainareo fa efa taloha be tagny gn'Andriamanitry gne nagnambara gne safidiny taminareo, mba amè alalan'gne vavako da tokony aharè gne filazatsara gne Jentilisa ary tokony hino. 8Fa gn'Andriamanitry mahay gne fo sady vava velon'dreo gne nagnome gne Fanahy Masy andreo mitovy amè naniny tamitsika; 9ary tsy nagnavakavaky tamitsika sy tamindreo izy fa kosa da nagnadio gne fo'ndreo tamè finoa.10Noho izany sa, nagnino anareo gne mitsapatsapa gn'Andriamanitry amè hametrahanareo gne eta-mavesatry eo amè vozon'gne mpianatry kanefa gne razambetsika ndre da isika aza tsy nahavy an'izany? 11Kanefa sa, mino isika fa ho vôvonjy signitry noho gne fahasohavan'i Tompo Jesosy mitovy amindreo koa."12Nangigny da gigny gn'olo nandritry gne tatitry Paoly sy Barnabasy mikasiky gne famantara sy gne fahagagà nambaran'Andriamanitry tamè Jentilisa tam' gn'alalandreo.13Raha vatany nizano niresaky indreo, io fa namaly i Jakôba hoe: "E Rahalahy, tenomo iaho. 14I Simeona aza k'efa nagnambara gne fomba nagnampian' Andriamanitry tamim-pahasoava vôlohany gne Jentilisa mba hangala amindreo gn'olo hitondra gn'agnerany.15Gne zakan' gne mpaminany taloha da mikasiky an'izany araky gne vôsoratry hoe: 16" Afaran'gne raha aby da mbola hipody iaho sady hananga gne tragnon'i Davida fangnidroiny zay efa tringa; hagnabôtry sady haveriko amè tena izy io fahatringàny io iaho, 17amzay mitadia gne Tompo gn'olo sisa tavela, indrindra gne Jentilisa zay hangia ame agnarako. 18Fa hoy gne Tompo, gn'olo nagnano an'io raha io da efa fantatry tamè razambe taloha. (Fagnamaria: gne dikateny taloha da mivaky mizaka hoe: "Ity gne nambaran'i Tompo, aminareo da efa fantatry tamè andro taloha gne asa rehetra.)19Noho izany, raha gne hevitriko, da tsy tokony hagnakorota gne Jentilisa efa nitodika amin' Andriamanitry itsika. 20Fa itsika koa sa da hanoratry amindreo fa tsy maintsy miala amè fahotà sy gne fanompoa aody indreo, amè tsivadivady ratsy ary indrindra tsy hihina gne nofon'gne biby tsy notapaha loha sy tsy latsaky rà. 21Satria i Mosesy da efa vôlaza isa-tanà taloha sady novakigny teo amè Synagoga isaky gne Sabata."22Tsara tam'gn'Apostôly sy gne loholo niaraky amè fengona rehetra gne hifidy an'i Joda izay hangia hoe Barnabasy, sy i Silasy izay mpitariky fengona koa, sady andefa andreo agny Antiokia miaraky am' i Paoly sy Barnabasy. 23Indreo da nanoratry an'ity zaka ity: "Atram'gne Apostôly sy gne loholo, gne rahalainareo, hatram'gne rahalahy avy amè Jentily any Antiokia, Syria ary Kilikia: da arabaigny aby!24Itsika koa da efa naharè fa gn'olo sasany da efa niala atsika, tsisy baiko avy amitsika izany, sady nagneligely anareo tamè fampenara izay nampikorota gne fagnahinareo. 25Ity gne tene izy, Iahay toa aby da efa nifidy sady nagneky an'itoa lehilahy toa handeha agny aminareo hiaraky am'i Barnabasy sy i Paoly namanay, 26sady lehilahy mahafoy gne ainy ho an'i Jesosy Kristy Tompotsika io.27Noho izany izahay dia maniraka an'i Joda sy i Silasy, izay hilaza aminareo io zavatra io ihany amin'ny tenin'izy ireo manokana. 28Fa toa tsara amin'ny Fanahy Masina sy aminay, ny tsy hampitondra anareo entana lehibe noho ireo zavatra tena ilaina ireo: 29mba hialanareo amin'ireo zavatra nataonareo ho fanatitra amin'ireo sampy, rà, ireo zavatra voakenda, ary avy amin'ny fahavetavetana. Raha mitandrina ny tenanareo amin'izany ianareo, dia ho tsara aminareo izany. Veloma."30Noho izany indreo raha lasa, avy da nidigny tagny Antiokia; namory gne vahôka indreo sady nagnome gne taratasy. 31Raha vôvaky gne taratasy da nifaly indreo vokatry gne zaka fankahereza ren-dreo. 32I Joda sy Silasy, sady mpaminany evakoa, nankahery gne rahalainy tao tamè resaky maro.33Raha nipetraky elaela tao indreo da nalefa nipody am-piadagna agny amin'reo rahalainy nagniraky andreo. 34[Fagnamaria: gne dikateny taloha be tagny da mangala gne andininy faha 34 (hiteo gne Asa 15: 40): "Kanefa da mbola nagniry hijano teo i Silasy."] 35Fa i Paoly sy Barnabasy koa sa, da nijano tagny Antiokia niaraky tam'gn'olo maro hafa koa, izay olo nampenarindreo sady nitoriandreo gne zakan'i Tompo.36Afaky andro vitsivitsy taty afara, nizaka tam'i Barnabasy i Paoly hoe: "Andaho isika hipody sady hamangy gne rahalahitsika agny amè tanà rehetra agny izay nitoriatsika taloha sady hagnety asa nagnano akôry indreo." 37Fa i Barnabasy da ta-hitondra an'i Jaona, na i Marka gne fangia anazy koa, hiaraky amindreo. 38Kanefa i Paoly nahita fa tsy da tsara gne mbola hitondraha an'i Marka noho izy niala andreo tagny Pamfylia sady tsy nanohy niara-nitory tamindreo niasa tagny.39Tamin'izany, da lasa nekàny mafy izy roy lahy ka nisara-dia, i Barnabasy nitondra an' i Marka niaraky taminazy nandeha sambo handeha agny Kyprosy. 40Fa i Paoly koa sa da nifidy an'i Silasy sady nadeha tafaran'gne nagnomezan'gne rahalahiny anazy gne adidy sy gne fahasoavan'i Tompo. 41Avy teo indreo da lasa namakivaky an'i Syria sy i Kilikia ka nampitrôtry sy nampatanjaky gne fengona tao.
1Avy tagny Derbe sy tagny Lystra fagnindroiny i Paoly ka nisy mpianatra angiandreo hoe Timoty, zanaky igny viavy Jiosy igny, sady Grika evekoa i Abany. 2Tsara laza tamè olo nipetraky teo Lystra sy Ikonioma izy. 3Notiàhan'i Paoly izy ka noentiny hiaraky aminazy, kanefa sa da noforahany eky, noho gne olo nipetraky tao, eky satria fantany fa Grika i Abany zalà ty.4Raha lasa namakivaky gne tanà indreo da maro gne torohevitry nomeny ho an'gne mpino mba hangneky gne raha hapenary nosoratan'gne Apostôly sy gne loholo tagny Jerosalema. 5Vokatry izany da lasa nantajaky tamè finoa gne fengona tagny sady nitombo gn'isan'gne mpino mivavaky isan'andro.6Da mbola lasa avao namakivaky gne faritry ny Frygia sy Galatia i Paoly sy gne namany, sady koa efa noraràn'gne Fagnahy Masy indreo mba tsy hitori-teny agny Asia. 7Da mbola akô izany koa, raha hiditry gne faritry Mysia indreo handeha ho agny Bitynia d'efa io koa gne fagnahy Masy nanàka andreo. 8Noho izany sa da lasa gne faritry Mysia avao gne nandalovan-dreo, avy eo lasa nidigny tagny amè tanàn'i Troasy indreo.9Raha aly gn'andro, io i Paoly fa nahita fahità: nisy lelahy raiky Makedoniana nitsanga sady nikoiky gne nizaka hoe: "Mandehana aty aminay Makedoniana sady vojeo iahay." 10Raha avy nahita izany fahità zany izy da raoky nidigny handeha agny sady nahatsapa fa Andriamanitry gne nangaiky an'azy handeha agny mba hitory gne filazatsara am'gn'olo agny.11Nipitiky amè sambo ka avy tagny Troasy, avy teo nagnaraky gne lala mahitsy handeha agny Samotrakia iahay sady nandalo an'i Neapolia gne andro magnaraky. 12Raha vita izany da nitsàky nandeha tagny Filipy iahay sady da mbola tanànan'gne Makedonia evakoa, agnisan'gne tanà mana gne lazany indrindra eo amè magnodidy gne faritry sy gne zana-tany Romana, da nijano teo aminio tanà io nandritry gne andro maro iahay. 13Tamè andro Sabata, nadeha t'ambadiky gne vavahady akeky renirano iahay, izay toera noeritreretinay fa misy toera-pivavaha. Nidobòky iahay sady niresaky tamè viavy niaraky avy teo.14Nisy viavy raiky, i Lydia gne agnarany, mpivarotry lamba voloparasy avy agny amè tanànan'i Tyatira, da nanopo an'Andriamanitry datò izy sady niteno gne raha nambaranay. Da nanokatry gne fony datò hitandrigny gne zaka nambaran'i Paoly. 15Raha vatany vita batisa izy sy gne havany, da naporisiky anay izy hizaka hoe: "Raha nitsara anà ho olo marigny ao am'Tompo anareo da mitsoha an-dragno." Sady nandresy lahatry enay izy.16Tamin'izay sa, raha nandeha tamè toera fivavaha iahay, io fa nisy zaza viavy raiky magnopy sikidy nifanena taminay. Nahazoany tombony maro ho an'gne tompony tamè alalan'gne sikidy izy. 17Nagnaraky enay sy Paoly avy afara izy sady nikoiky mafy nagnano hoe: " Itoa lehilahy toa da mpanompon'Andriamanitry avo indrindra. Magnambara aminareo gne lalam-pamonjè indreo." 18Nagnano an'izany nandritry gne andro maromaro izy. Fa i Paoly koa sa da nanomboky vignitry enazy ka nitodiky sady nizaka tamè fanahy hoe: Mibeko anao amè agnaran'i Jesosy Kristy iaho mba hiala ao aminazy." Tselatsela teo da itoa fa nizotso igny raha igny.19Raha vatany hitan'gne tompony fa lasa gne heriny nitondra tombony ho andreo, da nosamborindreo i Paoly sy Silasy sady notaritindreo ho agny ame bezara sady eo amè mana-pahefà. 20Raha avy teo amè mpitsara indreo da nizaka hoe: " Itoa lehilahy itoa da mpangnakorota gne tanàtsika. Jiosy indreo. 21Sady magnambara gne fomba izay tsy araky gne lalàna ho an'gne Romana magneky sy gne magnatanteraky anazy indreo."22Raha vita izany da nitsanga gne vahoaka nonohitry an'i Paoly sy Silasy; nitsanga gne mpitsara nangala gne lambandreo sady nodidiany indreo hifìky endreo amè kaboda. 23Raha avy nofihiny mafy indreo da nalefa tagny amè tragno figadrà sady nodidiany mafy gne mpiamby mba hiamby endreo tsara amizay tsy ho boda. 24Raha vatany naharè izany didy zany gne mpiamby, da nalefany agny amè tena mizy be agny indreo sady nofiheziny tamè hazo gne tombondreo.25Raha misasaky gn'aly da nivavaky i Paoly sy Silasy sady nihira gne atsa fideràna an'Andriamanitry, fa gne gadra afa tao koa sa da niteno gne hirandreo. 26Tapotapoky teo da nisy horohorontany zakabe ka nihozongozo gne joroben'gne tragno figadrà; sady nisokatry gne varangara rehetra, sady koa tataky aby gne tady namiheza andreo tao.27Nahatsiaro gne mpiamby sady nahita gne varangara nangakàky; najotsony gne sabatriny ka saiky hamonoany gne ainy satria noeritreretiny fa nilefa gne gadra tao. 28Fa i Paoly koa sa da nikoiky tamè feo mafy nizaka hoe: "Ka firay gne ainao, fa itoa aby evao iahay."29Napirehitry jiro gne mpiamby sady nitsòky tao agnati-tragno mizy, sady nangitakitaky gne nivadifò, sady da nandohaliky teo am'Paoly sy Silasy, 30gne nitondra andreo nijotso sady nizaka hoe: "Tompoko, ino gne tsy maitsy ataoko mba ho vôvonjy iaho?" 31Hoy indreo namaly hoe: "Minoa gne Tompo Jesosy, da ho vôvonjy anao sy gne havanao."32Nitori-teny taminazy sy gne olo niaraky taminazy tao andragnony indreo. 33Avy teo da nandray endreo igny hariva igny evao gne mpiamby gne tragno figadrà sady nanasa gne ratry tamindreo, ary evy eo izy sy gne olo tao andragnony da namboary batisa aby teo no eo. 34Noentiny niakatry tagny amè tragnony i Paoly sy Silasy sady norosoany sakafo ka niara-nifaly teo indreo sy gne olo tao amè tragno aby fa efa nino an'Andriamanitry izy.35Raha nandraigny gn'andro, nandefa hiraky tamè mpiamby gne mpitsara hoe: "Alefasonareo agny io olo io." 36Nozakain'gne mpiamby tam'Paoly izany zaka zany ka hoy izy: "Nagnafatry enà gne mpitsara mba handefa anareo handeha: noho izany sa, amitsia koa mizotsoa anareo, sady mandehana am-pilamina sy am-piadana."37Da hoy i Paoly tamindreo hoe: "Nodabodabohindreo teo amasolon'olo maro be iahay, tsy mba notsaray eky ndre da mitondra gne zo-pirenè Romana zanagny aza iahay, sady nogadrahandreo. Amizao koa sa vao hoe alefa asokosoko iahay? Tsy tohoko izany! Apetray indreo gne ho avy etoa agnazotso sady hitariky enay hizotso." 38Nipody nitatitry izany tagny amè mpitsara gne mpiamby, raha vatany naharè indreo fa Romana i Paoly sy Silasy, da nangorohoro mafy. 39Da itoa avao sady niala tsigny tamindreo gne mpitsara sady nitondra andreo nijotso handeha, sady nangataky andreo mba hiala eo amè tanà.40Niala tao amè figadrà i Paoly sy Silasy sady niditry tagny andragnon'i Lydia. Raha nahita gne rahalahiny i Paoly sy Silasy da nampahery andreo sady lasa niala teo amè tanà.
1Raha nandalo gne tanà tao Amfipolia sy Apolonia indreo sady avy tao Tesalonika, izay misy gne Synagogan'gne Jiosy. 2Fa i Paoly araky gne fomba faniny da nikoraha tamindreo teo sady niady hevitry tamindreo momba gne Soratra Masina nandritry gn' andro Sabata in-telo.3Nosokafany gne Baiboly sady nazavainy fa tavandrain'i Kristy gne nijaly sy nitsanga tamè maty. Da hoy izy hoe: "I Jesosy ambarako aminareo io gne Kristy." 4Avy da resy lahatry gne sasany tamè Jiosy sady raoky nagnaraky an'i Paoly sy Silasy, raoky nagnaraky andreo koa gne mpivavaky Grika maro be teo, sady koa da mbola raoky niaraky amè viavy aby.5Fa gne Jiosy tsy mpino sady feno felogna teo da raoky nangala gn'olo ratsy say tagny ebezara niaraky tamè olo maro be sady nandrebireby teo amè Tana. Nanafiky gne tragnon'i Jasona indreo sady ta hitondra an'i Paoly sy Silasy hiala gne vahoaka. 6Fa raha tsy hitany indreo da notarihindreo i Jasona sy gne rahalainy hafa koa ho eo akatrefan'gne manam-pahefà teo amè tanà sady nigorogoroky gne ranomasony, "Itoa olo nagnonga an'ity tany 'ty da samby avy etoa aby koa. 7Itoa lehilahy napidirin'i Jasona ireto da olo manohitry gne didin'i Kaisara; mizaka indreo fa misy mpanjaka hafa koa agny da izany Jesosy zany agny."8Voaelingely gne vahoaka sy gne manam-pahefà teo amè tanà raha nahare izany raha izany. 9Fa raha avy teo gne manam-pahefà da nampagnefa vola an'i Jasona sy gne ambiny sisa atao debaky sady navelandreo handeha indreo avy teo.10Nalefandreo rahalainy handeha agny Beria gn' hariva igny evao i Paoly sy Silasy. Raha avy tagny indreo da nitsòky tao amè Synagogan'gne Jiosy. 11Io olo io da mihaja lavitry gne olo avy agny Tesalonika, satria nandray gne hafatry tamè fahavonognagny gne saigny indreo sady nandiniky gne Soratry Masina isanandro amizay mba ahita gne tena izy. 12Noho izany sa da maro tamindreo gne nino, nino niaraky tamizany aby gne viavy sy lehilahy Grika miteza sady manakaja maro teo.13Gne Jiosy avy agny Tesalonika raha vatany nahare fa i Paoly da isan'gne nagnambara gne zakan'Andriamanitra tagny Beria, lasa nagnato tegny indreo sady nagnakorotagny gne vahoaky teo. 14Tonga da nalefanireo rahalahiny i Paoly sy Silasy ary i Timoty zay nidoboky teo. 15Gne nitariky an'i Paoly avy da nitondra anazy nandeha agny Atena. Raha navelandreo nidoboky teo i Paoly da nandray boky misy gne torolala mikasiky an'i Silasy sy Timoty mba handehanany malaky da malaky agny.16Raha nandigny andreo tagny Atena i Paoly, da vignitry tagny agnatiny raha nahita gne tanà hipoky gne sampy. 17Taminiza sa da niady hevitra tao amin'ny synagoga niaraky tamè Jiosy sy gn'olo afa 'zay mino an'Andriamanitra izy, sady niaraky niady hevitry tamè olo magnano resaky varotry teo koa izy.18Gne filizôfa Epikoreana sy Stoika da hita fa nifanena taminazy tegny. Gne sasany mizaka hoe: "Ino gne tian'io be vava io zakay?" Gne olo afa nizaka hoe: "Mangaiky gn'olo hagnaraky gn'Andriamanitry hafahafa izy," satira nagnambara sady nitory an'i Jesosy sy gne fitsangana ho velo izy.19Nalaindreo i Paoly sady noentindreo tao amè Areopago, izaka hoe: "Azonay fantàry me izà fampenara vaovao noentinao zanagny? 20Sady nahare iahay fa nitondra raha afahafa mbola tsy renay anao. Noho izà sa da, ta alala gne dikan'izany raha zanagny iahay toa." 21(Fa gne Ateniana rehetra sy gne vahiny nipetraky tao da nandany gne fotoany tamè filazà na gne fitenoma gne raha vaovao misy.)22Vatany avy teo da nitsanga teo ategnategnan'gne Areopago i Paoly sady nizaka hoe: "Anareo lehilahy Ateniana hitako sady tsapako fa da tena relijiozy amè maro anareo. 23Fa raha nandalo aho da nahita sady nandiniky gne fomba fanompoam-pivavahanareo; da nahita alitara misy an'ity soratra ity aho hoe: "HO AN' GN'ANDRIAMANITRA TSY FANTATRA." Ino araky izà gne hivavahanareo ao amè tsy fahafantaranareo, izany gn'ambarako aminareo.24Gn'Andriamanitry nagnano 'zao tontolo 'zao sy gne raha aby eo aminazy satria anazy gne tany sy gne lagnitry, tsy midobòky amè tempoly namboary amè tagna. 25Ndre izy tsy notopoy tamè tagnan'olo, mitovy amè nizaka raha avao izy satria gn'ainy da to gne magnome fiaina gn'olo sy gne fegnenan'olo sy gne raha agnaby.26Namboariny tamè olo raiky gne firenègny rehetra ho an'gne olo mba hiaigny eo ambonin'gne tany, sady nisiritry gne fe-potoandre, sady nametraky gne totry hipetrahandreo, gn'andro hiainandreo, 27amizany sa da tokony hitady gne Andriamanitra indreo raha ôtry ka hahatratry anazy. Kanefa sa da mbola tsy lasa lavitry niala atsika Izy.28Itsika koa sa da mana gne maha izy etsika, mitovy tamè nozakainy tamè mpagnano tononkalo hoe: "Da mbola taranakiny evakoa itsika." 29Noho izany sa, amè maha zanak'Andriamanitry atsika, tsy tokony hieritreritry raha afa fa gne hatsaray sy gne fombany da akô volamena na volafotsy na sary vonga 'zay namboary avy amè asa tagna sy gne nofinofin'olo.30Noho izà sa da, nadignon'Andriamanitry gne fotoan'gne habadoatsika, amizao andro zao da mibeko gn'olo agnaby mba hibebaky izy. 31Izay gne marigny satria nametry andro izy hoe ovia avao gn'andro hitsaraha an'zao tontolo 'zao amè fahamarinagny amè alalan'gn'olo nofidiny. Nagnome porofo an'io lehilahy io Andriamanitry tamè olo tsiraikiraiky tamè alalan'gne fanangana azy tamè fahafatesa.32Vatany nahare gne fitsangana tamè maty gn'olo tao Atena, avy da nagneso sady nagnano rabio an'i Paoly gne sasany; gne sasany afa koa nizaka hoe: "Hiteno gne zakanao mikasiky anizany raha zanagny iahay." 33Tafaran'izà, lasa niala andreo i Paoly. 34Fa gn'olo sasany nagnaraky anazy sady da nino tokôtry, agnisan'izany i Dionysio Areopagita, viavy hangia hoe Damary, gne sasany hafa koa da mbola niaraky tamindreo.
1Tafaranio raha io i Paoly da raoky niala tao Atena nandeha tagny Korinto. 2Nifakahita tamè Jiosy hangia amè agnara hoe Akoila tao koa izy, sady Ponto gne razany, 'zay mbola vao avy tagny Italia niaraky tamy Prisila vadiy, satria i klaodio nadidy gne Jiosy rehetra mba hiala tao Roma. Nandeha teo amindreo i Paoly, 3sady hitany fa varotra mitovy gne asandreo, da nipetraky tamindreo teo izy sady niasa, magnano moskitera gne asandreo.4Efan'i Paoly gne mikoraha ao ame Synagoga isaky gne Sabata. Nandresy lahatry gne Jiosy sy gne Grika evakoa izy. 5Raha vatany nidigny avy tagny Makedonia i Silasy sy Timoty, da nofôrisén'gne Fagnahy hagnambara amireo Jiosy izy fa Jesosy no Kristy, da mbola i Paoly evakoa. 6Raha nanohitry sady nagneso anazy gne Jiosy, da nakopakopaky Paoly tamindreo gne lambany sady hoy izy hoe: "Ho eo amè lohanareo gne rànareo; olo tsy mana tsigny iaho. Fa manomboky izao da ho agny amè tsy mpino iaho."7Da niala teo dato izy sady nandeha agny amè tragnon'i Titosy Josto, zay lehilahy mpanompo gn' Andriamanitry. Eo akaiky gne Synagoga gne tragnony. 8I Krispo, mpitariky gne Synagoga sady nino gne Tompo, niaraky tamè olo izay nidoboky t'andragnony tao; sady maro tamè Korintiana zay nahare mikasy anizany gne nino sady namboary batisa.9Fa gne Tompo nizaka tamy Paoly tamè fahità gn' harivan'igny hoe: "Ka matàtry sady ka misihy evao fa mizakà. 10Fa etoa iaho magnety enao, sady tsy hisy olo ahasahy agnano ratsy anao, satria mana olo maro be am'ty tanà 'ty Iaho." 11Nipetraky teo nandritry gne tao raiky sy enim-bola i Paoly sady nampianatry gne tenin'Andriamanitra teo amindreo.12Fa raha lany governoran'ny Akaia i Galio, da hitoa niaraky nitrôtry gne Jiosy hanohitry an'i Paoly sady nitondra anazy tagny amè fitsaràha; 13hoy indreo hoe: "Io lehilahy io da mandresy lahatry gne vahoaka hanompo gne Andriamanitry 'zay mifanohitry amè lalàna."14Ary raha handeha hizaka igny i Paoly, da nizaka tamè Jiosy i Galio hoe: "Anareo Jiosy, sa raha anitsika hoe resaky ratsy na fahotà izany raha zanagny, da mbola vonogny agnano marimaritry hiraisa anareo." 15Fa nanomboky gne nisian'io fagnontanio mikasiky io zaka sy agnara ary lalàna io, alaminonareo samy anareo agny eky izany. Tsy tiako gne ho mpitsara gne raha akô izany."16Noroasin'i Galio teo ame seza fitsaràha indreo. 17Ka nosamborindreo i Sostena, gne mpanapaky resaky ao amè Synagoga koa, sady nagnome takapiky anazy teo amè seza fitsaraha. Fa i Galio koa sa da tsy niraharà gne raha nanindreo teo.18Raha avy nipetraky teo nandritry gn'andro maro i Paoly, da lasa izy sady niala gne rahalany teo gne roso nipitiky amè sambo niaraky amy Prisila sy Akoila. Talohan'gne nelany gne totry misy gne sambo da nanapa-bolo izy noho gne vava sy gne lokaloka 'zay nozakainy. 19Raha avy tagny Efesosy indreo da navelan' i Paoly teo i Prisila sy Akoila, fa izy raiky evao gne lasa nitsoky tao amè Synagoga ka niady hevitra tamè Jiosy tao.20Raha igny indreo fa nangataky an'i Paoly hijano elaela teo, da nandà mafy atramy farany izy. 21Sady nisitaky endreo izy gne nizaka hoe: "Da mbola hipody etoa aho raha sitraky gn'ao ambony izany." Da lasa niondrana tamè sambo izy sady niala tao Efesosy.22Raha nitody tao Kaisaria i Paoly, da lasa niakatry izy sady niarahaba gne fengonan'ny Jerosalema sady nidigny nandeha tagny Antiokia. 23Raha nidoboky elaela tao izy da lasa i Paoly ka nitety gne faritry Galatia sy Frygia sady nankahery gne mpianatry tao.24Sady nisy Jiosy raiky hangia hoe Apolosy, teraky tagny Alexandria, avy tao Efesosy. Izy da mahay mikabaro sady nahalala tsara gne Soratry Masy. 25I Apolosy da nampenary niaraky tamè fampenaran'ny Tompo. Mafana fo, nizaka sady nampianatry gne marigny mikasiky gne raha mikasiky an'i Jesosy, kanefa da gne batisan'i Jaona raiky evao gne fantatriny. 26Apolosy sahy nizaka tao amè Synagoga. Fa raha nahare anazy i Prisila sy Akoila, da nangala anazy ka nitondra anazy egny ame sisiny sady nagnazava taminazy misimisy gne lalan'Andriamanitry.27Raha nagniry gn'amakivaky an'i Akaia igny izy, da napahery anazy gne rahalainy sady nanoratry ho an'gne mpianatry tao Akaia mba handray anazy. Raha avy izy da nagnampy gn'olo zay nino tamè fahasoava. 28Nanohitry mafy da mafy gne Jiosy i Apolosy tamè ady hevitry ampahibemaso, sady nagnambara tamè Soratry Masina fa i Jesosy no Kristy.
1Raha mbola tagny Korinty i Apolosy, i Paoly koa sa da nandalo tagny amè firenegny ambony ka nandalo tao amè tanan'gne Efesosy, sady nahita mpianatry sasany tao. 2Da hoy i Paoly tamindreo hoe: "Anareo toa sa kô da efa nahazo gne Fagnahy Masy raha nino? Da hoy indreo namaly hoe: "Aeky, da mbola tsy agny eky renay amizanagny Fanahy Masy zanagny."3Fa i Paoly koa sa da nizaka hoe: "Tamignino zasy gne nagnambora batisa anareo? Da hoy indreo namaly: "Tame batisan'i Jaona iahay." 4Da mbola namaly evao i Paoly hoe: "I Jaona sa da nagnano batisa tamè batisan'gne fibebaha. Nizaka tam'gn'olo maro izy tam'zany fa tokony hino gn'olo hoavy afarany anareo, fa izany sa da ao am'Jesosy raiky evao."5Raha avy nahare izany indreo teo da nany batisa tamè agnaran'i Jesosy Tompo. 6Raha avy nametra tagna tamindreo i Paoly, da nibotràky tamindreo gne Fanahy Masy sady nikoraha amè zaka sambafa indreo gne naminaninany tegny. 7Ampy roy ambinifolo teo gn'isandreo tam'zany.8Raha vita izany da, nitsoky tao amè Synagoga i Paoly nizaka tsisy tatry na vadifo nandritry gne telo vola, sady katroky izy gne nandresy lahatry endreo tao sady naniny gne agnekendreo gne fanjakan' Andriamanitry. 9Fa raha nekanitao gne Jiosy sasany sady da mitroho gne agneky, da io indreo fa nanomboky nagnopa gne lalàna teo amè vahoaka nipetraky teo. Raoky i Paoly niala andreo sady nindesiny gne mpianatry teo, katroky izy gne nandresy lahatry enio mpianatry io tao amè tragno fampenaran'i Tyrano. 10Nandritry gne roy tao, fa gn'olo nipetraky tagny Asia da lasa nahare ny tenin'ny Tompo, ndre gne Grika sy gne Jiosy agnaby.11Arak' izany sa da hita fa izany Andriamanitry izany gne nagnano asa mahagaga tam'gn'alalan'i Paoly, 12agny kô ndre gne mosoara sy gne akajo evao gne akasoky amè marary da io fa mijangaitry sady nijotso aby gne devoly tagnatindreo tagny.13Fa nisy koa sa Jiosy raiky nandeha tegny. Nangaiky gne agnaran'i Tompo Jesosy izy amzay mba ahazo hery hindesy handrôky gne Fagnahy ratsy, sady hoy izy hoe: "Am'gn'agnaran'i Jesosy nozakain'i Paoly, mibeko anao iaho da mijotsoa." 14Gne mpisorom-be Jiosy hangia hoe Skeva sady fito gne janany gne nikatroky enio zaka io.15Io fa nisy Fagnahy ratsy namaly enazy hoe: "Na i Jesosy na i Paoly da samby aiko aby; fa ia me anareo io?" 16Nambiky tam'gn'olo mpandrôky devoly gne fanahy ratsy sady naratry sy nikojy izy gne lasa nilefa. 17Da fantatry gn'olo maro izany, ndre gne Jiosy sy gne Jentilisa nipetraky tagny Efesosy. Lasa nangorohoro mafy indreo tam'zay ka gne agnaran'i Tompo Jesosy gne lasa nomegny voninahitry.18Lasa maro tam'gne mpino gne nagnato sy hibebaky sady da nagneky gne raha ratsy vitandreo. 19Maro gne mpitazo hazary gne nagnary sady nagnoro gne hazariny sy gne bokiny teo akatrefan'gne tsiraikiraiky. Raha novatovatoy gne vidin'zany da nahatratry teo amè farantsa vola fotsy dimaly teo. 20Lasa niely gne zakan'gne Tompo tagny aminio toera io.21Raha vitan'i Paoly gne asa fanompoa tagny Efesosy, da tapakevitry izy fa hangala an'i Makedonia sy Akaia tegny an-dala handeha ho agny Jerosalema, sady hoy izy: "Raha avy agny iaho da mandeha agny Roma signitry evakoa." 22Nandefa gne roy tam'gne mpagnampy enazy i Paoly, da i Timoty sy Erasto, sady hirakirakiny lahateo koa. Fa izy koa sa da nijano tagny Asia.23Tam'zany fotoa zany tagny Efesosy da nisy fangnelingelegna zakabe mikasiky gne lalàna. 24Sady nisy koa mpanefy volafotsy hangia hoe Demetrio, zay nagnano gne sary sikotry volafotsin'i Diana, nampiditry vola be ho an'gne mpagnano asa tagna izany. 25Nalagnony niaraky io lehilahy magnano asa tagna io sady hoy izy: "Tompoko, fantatriko fa am'ty gne asa 'ty da mahazo vola be iahay.26Hitanao sy renao izany sady tsy tagny Efesosy evao fa eran'i Asia manontolo, io Paoly io da nandresy lahatry sy nahadrorotry olo maro. Mizaka izy fa tsy misy Andriamanitry vita amè tagna zany. 27Fa gne loza sa da ity, tsy gne varotry tsika avao gne tsy ilaigny etsana fa ndre gne tempolin'gne mpajaka vavy zakabe Diana koa sa da azo heritreretiny ho tsy misy dikany.Da azo hinoa fa mety ho very gne voninahitriny avy eo, kanefa izy gne tompoin'gn'olo ao Asia sy izao tontolo zao."28Raha vatany nahare izany indreo da tsy hay gne havignirandreo sady nikoikoiky mafy hoe: "I Diana an' Efesiana gne zakabe indrindra." 29Rekitry gne sakoriky tao amè tanà sady niaraky nifanosiky gne nifandrindriky niditry ao amè tragno fandihiza baly gn'olo maro be teo. Io fa voasambotrindreo gn'olo mpiaradia tam'i Paoly, tsy ia io fa i Gaio sy Aristarko avy agny Makedonia.30Kaiky i Paoly koa sa da ta hitsoky tao amè vahoaky maro be kanefa da noràràn'gne mpianatry izy. 31Ndre gne mana-pahefaha tao ame faritry Asia zay namany koa da nandrara anazy mafy tsy hitsoky amin'io tragno fangnamboara baly io. 32Kaiky da mbola nisy evakoa olo sasany nikoikoiky mafy tao, satria tao agnatin'gne karesokaresoky be gne vahoaka. Ndre gne sasany tamindreo da kaperatry sady tsy nahafantatry hoe nagnino niaraky avy aby itoa olo 'toa.33Gne sasany tam'gne vahoaka gne napahafatatry an'i Aleksandro, zay natosiky gn'olo ho egny aloha, sady nagnano fietsiky tamè tagnany i Aleksandro va sady ta agnome fagnazavaha ho an'gne mpivory teo. 34Fa raha vatany nofatandreo fa Jiosy izy, da nikoikoiky mafy tam'gne feo raiky evao indreo nandritry gne roy lera nagnano hoe: "Da zakabe gne Dianan'ny Efesiana."35Raha napisihy gne vahoaka gne lehiben'ny tanàna teo amè tanà da hoy izy hoe: "Ry lehilahy Efesiana, ia me gn'olo teo ka tsy nahalala fa gne tanàn'gne Efesiana da mpiamby gne tempolin'i Diana sy gne sary izay nibotràky avy tagny an-dagnitry? 36Sady koa sa da tsy azo handàna io raha io, ka tokony hidianareo gne vavanareo fa tsy hagnanognano raha fahatany evao. 37Kanefa da nindesinareo aty amè fitsaraha itoa lehilahy 'toa, nefa olo tsy mpandrodagny gne tempoly na mpagnopa gn'andriamanim-bavitsika.38Noho izany sa, raha mana fitoria manohitry gne tsiraikiraiky i Demetrio sy gn'olo mpagnano asa tagna miaraky aminazy, da misokatry gne fitsaraha sady misy vavolombelo gnao. Apetrao indreo hifampitory. 39Fa raha anareo koa sa gne mitadia resaky mikasiky gn'olo-kafa da tokony amè fivoria ara-dalàgna magnaraky gne hiresaha anizany. 40Fa saniky itsika 'toa sa da ho hazon-draha gne ho vôtory am'ty karesokaresoky nanitsika 'ty. Sady tsy misy dikany gne korota nanitsika gne tsy afaky hagnazava anizany lahateo koa itsika." 41Raha vôzakany izany, da noravàny gne fivoria.
1Raha nisihy gne rehoreho teo, nangaiky gne mpianatry i Paoly sady nampahery andreo gne sady nagnano veloma lahateo izy fa handeha ho agny Makedonia. 2Raha lasa izy da nampahery gne faritry niteteziny ka hatragny Gresia. 3Raha nijano telo vola tao koa izy, da nisy tetiky ratsy noforognon'gne Jiosy hindesy hanohitry enazy raha igny izy handeha hipitiky amè sambo handeha agny Syria igny, sady nanapa-kevitry gne hiverigny ho agny Makedonia izy.4Nagnaraky anazy hatragny Asia lavitry agny i Sopatera zanaky Pyro lehilahy avy agny Beria; i Aristarko sy Sekondo koa sa da samy avy amè mpino Tesalonika koa; i Gayo avy agny Derbe; Timoty, i Trofimo sy Tykiko avy agny Asia. 5Fa io lehilahy io aby da efa lasa talohanay sady nandigny anay tagny Troasy. 6Raoky iahay niondra amè sanbo niala tao Filipy tafaran'gne andro fisakafoana gne mofo tsy misy masirasira sady dimandro gne nangalahanay enigny lala igny zay vao avy tagny iahay. Da fito andro koa iahay nipetraky tao.7Tam'gn'andro vôlohany tam'gn'erignandro, raha niaraky nivavaky sady hanapaky gne mofo iahay tam'zany, da io i Paoly fa nikoraha tam'gne mpino. Satria izy nagnerignery gne handeha homarain'igny evao da tsy nahavita nikoraha atram'gne sasakaly izy. 8Nisy jiro maro tao amè efitra ambony zay niarahanay avy.9Nisy zaza lehilahy nipetraky teo amè varangara kely, tsy ia io fa i Eotyka, sady rendriky gne torimaso mafy. Raha mbola nikoraha i Paoly, fa io zaza io koa sa da mbola piky gne torimaso, nibotràky avy lahatagny amè fahatelo etagy izy, raha natrôtry io zaza io da hita fa efa maty. 10Nidigny i Paoly sady nagnatatry gne tagnany taminazy teo sady nizaka hoe: "Ka malahelo etsana fa velo io."11Da raoky niakatry izy avy teo sady nanapaky sy nihina tamè mofo. Raha mbola magneno akoho gn'andro, vita gne resakiny, da lasa izy nandeha. 12Nindesindreo nipody evakoa igny zaza igny raha velo soa amatsara sady niaraky nifaly indreo.13Itsika gne nandeha talohan'i Paoly tamè sambo sady niondra ho agny Aso satria agny gne vinavinainay andresa an'i Paoly. Izany gne fagniriany izy topotegna ho atao satria nagniry handeha tomboky izy. 14Raha nifankaita taminay tagny Aso izy, da noentinay tamè sambo izy ka nizotry nadeha agny Mitylena.15Avy teo, niondra tamè sambo iahay, da avy akekin' gne nosin'i Kio gn'omarain'igny. Nagnarak'enio andro io, da nitody teo amè nosin'i Samo iahay, gne akô omarain'igny koa sa da avy tao amè tanàn'i Mileto. 16Fa i Paoly koa sa da tapakevitry gne hiondra amè sambo ho agny Efesosy, am'zay tsy lany andro hidoboky eo izy; satria izy da meky gne ho agny Jerosalema gnamè Pentekosta raha gne fagniriany.17Nandefa lehilahy avy agny Mileto ho agny Efesosy sady nampangaiky gne loholon'gne fengona ho eo aminazy. 18Raha vatany avy tao aminazy indreo da hoy izy tamindreo hoe: "Anareo da mahalala fa nanomboky tamè andro vôlohany nagnitsahako gne tagny Asia, akoingaia gne nandaniako gne fotoako niaraky taminareo. 19Iaho da nanopo gne Tompo tamè fagnetre-tegna sy gne tomagny sady tagnatin'gne fijalia gne nibôky taminà noho gne afetsifetsehan'gne Jiosy hamono enà. 20Nahalala evakoa anareo fa tsy nitaha gne alaelo tamè fangnambarà taminareo tam'zay notadiavy iaho, sy gne fomba napenarako anareo tamn'olo maro, ndre da tandragno; 21nitsanganako ho vavolombelo taminareo sy tam'gne Jentilisa gne fibebaha amin'Andriamanitry sy gne finoa amy Jesosy Tompotsika.22Iaho io zao, da ho agny Jerosalema, nofôrisèn' gne Fagnahy Masy ka tsy lalako ndre gne raha ahazo anaha agny, 23afa tsy gne apifadiany enaha avao isaky gne positry andalovako noho gne fe-tady sy gne fijalia mandigny enaha agny. 24Fa iaho toa da tsy mieritreritry gne fiainako hoe rongatry amè vatako raha tsy da vitako gne raha amboariko sy gne asa fanopoako 'zay noraisiko tam'i Jesosy Tompo sady hagnambara gne filazatsaran'gne fahasoavan' Andriamanitry.25Am'tsia lera tsia, aiko fa anareo aby, nagnambarako gne fajakà, da tsahaita gne laharako etsana. 26Da noho izany sa, ambarako am'nareo am'tsia koa, fa tsy mahazo enaha gne tsigny amè ràn'gn'olo. 27Satria tsy nafiniko taminareo gne fagnambaraha gne raha tiàn'gn'Andriamanitry amboary aby.28Noho izay sa da tandremo gne vatanareo sy gn'ondry 'zay nampembenin'gne Fagnahy Masy enareo. Da mitandrema koa aza gn'amè mpiarakandron'gne fengonan'Andriamanitry, 'zay vinangany tamè ràny raiky evao. (Fagnamaria: raha ôtry ka hoe "Tamè ràny raiky evao" gn'am'gne hopi-taratasy taloha da mizaka hoe: "Tamè ràn'gne zanany lelahy raiky evao.") 29Efa lalako aza fa raha raha vatany lasa aho da hoavy aminareo gn'amboa romotry maseky sady tsy hitsitsy en'io ondry io izy. 30Da mbola lalako evakoa ndre da avy latagny am'nareo, fa hisy olo hoavy hagnova gne marigny sady hitariky gne mpianatry hagnariky endreo.31Noho 'zany sa membena anareo. Tadidizo tsara lahateo fa nandritry gne telo tao ihao gne nampianatry anareo tsiraikiraiky na tam'gn'andro mazava io na mizy, sady tamè ranomaso. 32Kanefa da akigniko amin'Andriamanitry sy amè fahasoavany enareo, am'tsia lera tsia, 'zay afaky mananga sady magnomè anareo gne lova eo am'gn'olo 'zay noamasigniny.33Iaho sa da tsy nagniry gne volafotsy, volamena sy gne lamban'olo. 34Enareo sy gne ainareo gne mahalala fa itoa tagna toa gne nagnomè gne raha nilaiko sy gne raha notadiavin'gn'olo nindray tamnà. 35Tamè fomba maro gne nagnomezako ohatry enareo gne fomba tokony hagnampianreo gn'olo malemy am'gn'alalan'gne asa, sy gne fomba hitadiavanareo gne jakan' i Tompo Jesosy, io da jaka nokoragnin'izy topotegna hoe:" Da maharongatry datò sarô gne magnome noho gne mandray."36Raha avy nijaka an'zany izy da nandohaliky sady nivavaky nindray tamindreo teo. 37Nisy tagny fatratry gne teo sady nifampisakamby sy nagnoriky an'i Paoly indreo. 38Nalahelo gne sasany tamindreo noho gne jaka nambarany hoe: indreo da tsahita gne laharany etsana. Raha vita izany da nagnatitry enazy tegny amè sambo indreo.
1Raha niala tamindreo teo iahay da niondra tamè sambo, nagnaraky lala mahitsy ho agny amè tanàn'i Kosy, nandeha agny amè tanàn'i Rodo gn'andro magnaraky, sady namata tagny amè tanàn'i Patara. 2Raha nahita sambo nandeha hoagny Foinika iahay, da niondra tao sady nandeha sambo.3Raha avy nahita an'i Kyprosy, da napetrany tegny agnilan'gne sambo tegny izy, fa iahay koa sa da niondra handeha agny Syria sady nitody tao Tyro, totry nagnajotsoan'gne mpitondra sambo gne entagny nindesiny. 4Raha vatany nahita gne mpianatry iahay da nijanogny tagny nandritry gne fito andro. Tamè herin'gne fagnahy Masy gne nandresèn-dahatry an'i Paoly indreo gne tsandehanany agny Jerosalema.5Raha tapitry gne andronay tegny da niala tao iahay sady nagnaraky gne làlanay, fa indreo agnaby koa sa da niaraky tamè vady amè zanany nagnaraky nizotso tao amè tanà. Raha avy teo da nandohaliky tamoron-dranomasy sady nivavaky 6sy nifagnano veloma. Nipitiky tamè sambo iahay avy teo, fa indreo koa sa da nipody tagny andragnony tagny aby.7Raha vita gne dianay tagny Tyro da nitsaky tagny Tolemaia iahay. Tagny iahay gne nifakahita tam'gne rahalahy nijanogny tagny sady niandry tanà andro raiky niaraky tam'ndreo teo eky koa. 8Nandraigny be koa gn'andro da lasa iahay nandeha ho agny Kaisaria. Nitsoky tandragnon'i Filipo itsika evanjelista, raiky tamè zalahy fito lahy sady nidobòky niaraky tam'nazy tao iahay. 9Io zalahy io am'zao da mana-anaky viavy efatry mbola tsy mahasaha lelahy, sady naminany io zaza io.10Raha niandry tanà maromaro tao iahay, da nisy mpaminany raiky late' Jodia hangia hoe Agabo. Nagnato enay izy sady nangala gne hetrin'i Paoly. 11Nofiezieny tamin'igny gne tombokony sy gne tagnany sady hoy izy: "Hoy gne Fagnahy Masy se, akô io gne hamiezan'gne Jiosy agny Jerosalema gne topon'ity hetry 'ty sady homeny gne Jentilisa indry."12Raha nahare enizany iahay sy gn'olo mipetraky eo da nandrara an'i Paoly tsy hiakatry agny Jerosalema. 13Da hoy i Paoly: "Nagnino me anareo mitomagny sy mandratry gne foko akô io? Efa vonogny aza iaho, tsy hoe ho fiezy evao iaho aza, fa da ho faty datokôtry agny Jerosalema am'agnaran'i Jesosy Tompo." 14Satria tsy nety tam'i Paoly gne fandresen-dahatrinay enazy, da zaka farany gne nozakainay hoe: "Alao sarô, lonoky ho tateraky gne sitrapon'i Tompo."15Tafaran'io andro io da nindesinay gne mojetinay sady lasa niakatry tagny Jerosalema iahay. 16Nisy evakoa mpianatry sasany hafa koa nagnaraky enay ho agny. Indreo koa da nitondra lehilahy raiky hangia hoe Menasona, laté Kyprosy zalahy io, sady mpianatry efa nahazo tao, izy gne tokony iarahanay mipetraky.17Raha avy tagny Jerosalema iahay da noresin'gne rahalahy apifalia iahay. 18Gn'omarain'igny da raoky i Paoly nagnaraky enay ho agny amin'i Jakoba sady tao aby koa gne Loholo agnaby. 19Raha avy nagnotsafy indreo izy, da nagnano tatitry gne raha vita efa nataon'Andriamanitry tam'gne Jentilisa tam'gn'alalan'gn'asa fanopoa.20Raha nahare enizany indreo da nidera gn'Andriamanitry sady nizaka taminazy hoe: "Aia anao sa rahalahy, mba firy harivo tamè Jiosy mba nino sa?" Tapakevitry tam'zany indreo gne hitandrigny gne lalàna. 21Efa renay aza gne mikasik'enao, fa anao gne mapianatry gne Jiosy agnaby zay mipetraky agny amè Jentilisa mba tsagneky en'i Mosesy; da mbola nizaka tamindreo koa anao fa tsy hamora gne zanany, sady tsy hagnano gne fomba taloha.22Ino gne tokony ho anitsika sa zalàhy? Da ho rendreo tokôtry fa avy eano zao. 23Amboaro lahateo gne rohoninay aminao. Mana zalahy efatry nagnano sareky iahay etoa. 24Indesinao io zalahy io sady miaraky amindreo manasa gne ainao anao, da efainao koa gne raha lanindreo am'zay indreo magnisy ratry amè lohany. Am'zay da lalan'gn'olo fa gne raha resaky nandeha mikasiky enareo da diso agnaby. Sady ho aindreo koa fa anao da olo magnaraky gne lalàna evakoa.25Mikasiky gne Jentilisa efa nino koa sa, efa nanoratry taratasy iahay sady nagnanatry endreo mba hitandrigny indreo gn'amè soro mandatsaky rà, gne sampy, gne tsy magnaza tegna. 26Avy teo da nalain' i Paoly io olo io, gn'omarain'igny izy gne nanasa gne ainy niaraky tamindreo, sady niditry tamè tempoly gne nagnambara gn'andro fagnadiova, mandra-pagnatera gne soro ho an'gn'olo agnaby.27Raha tapitry gne fito andro, nahita an'i Paoly tamè tempoly gne Jiosy sasany, nagnakorota gne vahôka agnaby sady nisambotry enazy. 28Nikoresikoresiky indreo teo: "E anareo Israely, ampio iahay." Ity aza gne lehilahy napianatry gn'olo agnaby gne raha tsy mifagnaraky am'gn'olo aby io, gne lalàny izany sa, sy ity tragno hipetrahatsika 'ty. Da mbola misy afa koa, ninday Grika tam'ty tempoly 'ty evakoa izy sady nandoto en'ty toera masy 'ty. 29Fa indreo taloha tao nahita an'i Trofimo, Efesiana i zalahy io sady niaraky taminazy tamè tanà, nieritreritry indreo fa i Paoly gne ninday enazy tao am'io tempoly io.30Nikorota gne tanà agnaby sady niaraky niazakazaky indreo nisambotry an'i Paoly. Noentindreo nizotso gne tempoly izy, sady nidiandreo gne varangara. 31Raha teo apamonoa anazy indreo da nisy vaovao avy amin'gne maramila kapiteny mpiamby fa mikorota agnaby gn'olo agny Jerosalema.32Tapotapoky teo da nangala maramila sy kapiteny izy, sady lasa nidigny nandeha agny amè vahoaka. Raha nahita gne maramila sy gne kapiteny gn'olo, da nijano gne nibonaky en'i Paoly. 33Da nanatona ilay kapiteny ary nisambotra an'i Paoly, sady nofiezindreo tamè rojy vy roy izy. Da nagnotany izy hoe ia io ary ino gne raha naniny.34Samy afa gne vali-zakan'gne vahôka teo. Satria gne kapiteny tsy afaky nizaka nohon'gne reoreon'gn'olo, da noentiny tagny amè rova i Paoly. 35Raha avy tamè tohatry indreo, da nindesin'gne maramila izy noho gne bonaky nahazo enazy. 36Fa gne vahôka maro koa nagnaraky tafara sady mikaresokaresoky hoe: "Vonoy izy."37Raha igny hindesy agny amè rova igny i Paoly, da hoy izy tam'kapiteny: "Mahazo mizaka raha aminao nda iaho?" Hoy ilay kapiteny hoe: "Miteny Grika ve ianao? 38Tsanao me nda igny Egyptiana igny, nitariky korota taloha be tagny igny sady nitarigny gn'olo efatry arivo lahy ho an'gne 'mpamono olo' nipoitry latagny amè tany angnilotry."39Fa hoy i Paoly hoe: "Jiosy aza ihao, avy amè tanàn'i Tarsosy agny Kilikia. Iaho da olo avy amè firenè managny gne lajany. Mangataky enao nda iaho, apetraho iahao izaka am'toa olo toa." 40Raha nagneky gne kapiteny gne hizakàny amè vahôky, da nitsanga tamè tohatry i Paoly sady nagnano fihetsiky amè tagna tam'gn'olo teo. Raha igny gn'olo fitsaky nisihy igny, da nikoraha tamindreo tamè zaka Hebreo izy. Da hoy izy tam'zany:
1"Ekà am'nareo rahalahy sy Aba, tenomo tsara gne jaka ferovako enareo zao sa." 2Raha naharè an'i Paoly nizaka Hebreo indreo vahôky, da fitsaky gne nisihy agnaby. Da hoy izy hoe:3"Jiosy iaho, teraky te Tarsosy agny Kilikia agny, fa be tam'ty tanà 'ty tetoa iaho, t'ambanin'ny Gamaliela. Napenary gne fomba sy gne lalàna mikasiky gne razatsika iaho. Sady lahateo koa da olo nafana fo iaho gne tamin'Andriamanitry, da akô gne aninareo am'zao io evakoa. 4Nagnejiky en'io lalàna io atram'farany iaho, nogadrako sady nofieziko indreo, nidiako agny amè tragno figadrà na lelahy izany na viavy, 5ary gne mpisoro sy gne loholo agnaby da afaky mijoro vava velo etoa fa nahita an'zany. Nahazo taratasy avy tam'ndreo iaho ho an'gne rahalahy mipetraky agny Damaskosy, da lasa tokôtry ninday endreo miaraky amè rozy vy ho agny Jerosalema fa ho gadrà indreo.6Ity gne raha hita raha tegny an-dala ho agny Damaskosy iahao, raha nanomboky ho lagnary gn'andro da nisy hazavà avy tagny an-dagnitry namirapiratry nagnodidy enaha. 7Nepefiky tamè tany ihao sady nahare feo nizaka hoe: "E Saoly, E Saoly, ino gn'angnejehenao enà io me? 8Da namaly iaho: 'Ia me Anao, Tompoko?' Da hoy koa izy taminà: "Iaho aza gne Jesosy avy agny Nazareta, 'ndre iaho da enjehenao io.'9Fa gn'olo niaraky tamnà tegny agnaby da nahita an'io hazavà io gne feo niresaky taminà gne tsy nolalandreo. 10Da hoy iaho: "Ino gne tokony ho amboariko tompoko?' Da hoy gne Tompo tamin'azy: "Mitsangàna anao da midira agny Damaskosy; agny vao ambara anao gne raha tokony hapamboary enao." 11Lasa goa gne masoko noho gne ngilangilatry izany hazavà 'zany, fa gn'olo niaraky tamnà gne nitàta gne tagnako vao avy tagny Damaskosy iaho.12Tagny iaho da nifakaita tam'zay lelahy hangiandreo hoe Ananiasy zay, lehilahy mataotry gn'Andriamanitry, nagnaja gne lalàna gne sady tsara laza tamè Jiosy nipetraky teo. 13Nagnato enaha izy, nitsanga t'agnilako teo sady hoy izy: "E rahalahy, Saoly, aboleraho nda gne masonao.' Tselatsela teo avao da nibolera gne masony.14Da hoy izy hoe: "Gn'Andriamanitry gne razatsika aza nda gne nifidy enao mba hahafatatry gne tiàny anihy, mba ahita gne marigny sady mba aharè gne zaka hajotson'gne vavany. 15Fa anao hôy da ho vava velony ho an'gnolo hitanao sy renao agnaby. 16Nagnino enao mbola mandigny evao me? Mitroafa, andao anihy batisa anao sady sasao gne otanao da kohy am'gn'agnarany izy.''17Raha nipody avy tagny Jerosalema iahay, raha mbola nivavaky tao amè tempoly evakoa, io iaho fa nagnonofy. 18Hitako izy mikoraha amina sady nizaka hoe: "Melaha malaky etoa Jerosalema etoa, satria tsagneky gne hitsangananao vava velo mamba Anà indreo.'19Da hoy iaho: "Tompo, efa mahalala indreo fa iaho gne nigabogaboky endreo sy nagnagadra 'zay nino Anao tamè Synagoga tao agnaby. 20Raha novonoy i Stefana vava velonao, da nitsanga teo koa ihao sady nagneky, nembenako teo gne lamban'gn'olo namono anazy.' 21Fa hoy izy taminà: "Mandehana avao, fa halefako lavitry agny amè Jentilisa anao."22Niteno sady kaperatry mandra-pizakàny indreo teo. Tapitapiky teo, nikoiky mafy be indreo sady nizaka hoe: "Vonoy hiala etoa gne lelahy akô io, satria tsy mendriky enazy etsana gne ho velo." 23Raha mbola nikaresokaresoky teo indreo, da nanoraky gne lambany sady nanoraky bò tamè rivotra, 24fa gne sefon'gne kapiteny teo nibeko an'i Paoly hindesy agny an-dapa. Nibeko izy fa tokony hodikodigny miaraky amè takapiky izy, sady am'zay izy tegnany halala hoe nagnino indreo gne mikoikoiky nanohitry enazy akô izany.25Raha nofiezindreo tamè daro indreo, da hoy i Paoly tam'gne kapiteny nitsanga teo hoe: "Da mety aminareo sa nda gne mibònaky sy mikaravasy lehilahy Romana kanefa mbola tsy notsaray 'ndre indraiky? 26Raha naharè enizany gne kapiteny, da nandeha agny amè sefony sady nizaka hoe: " Ino 'ty raha aninao 'ty me? Olon'gne Romana an'io lehilahy io."27Nagnato gne lehiben'gne kapiteny sady nagnotany anazy hoe: "Zakay enaha, vahôky Romana nga anao?" Da hoy i Paoly hoe: "Ao izy datò iaho." 28Da hoy koa gne lehiben'gne kapiteny hoe: " Tam'gne vola be avao gne nahazoako an'io zo-pirenena io. Da hoy koa i Paoly namaly: "Iaho koa sa da nateraky ho vahôky Romana." 29Lasa niala anazy tapotapoky teo gn'olo nametra-pagnotania taminazy. Nangitakitaky sady natàtry evakoa gne lehiben'gne kapiteny raha nahalala fa vahôky Romana i Paoly satria izy nifehy enay.Gn'omarain'igny, ta afantatry gne marigny mikasiky gne fagnodikodiran'gne Jiosy nanohitry an' i Paoly gne lehiben'gne kapiteny. Notatahany gne tady vy sady nibeko gne mpisoro sy gne lohandohany tao izy mba hivory. Nindesiny nidigny i Paoly sady napetrakiny teo ategnategnandreo teo.
1Fa i Petera da nibajijiky lavitry tegny niaraky am'gn' olombe tao sady nizaka hoe: "Ô rahalahy, iaho sa da efa sareky ho han'Andriamanitry tam'gne heritreritry tsara hatramzao." 2I Ananiasy mpagnano soro da nibeko en'zay takekiny teo hagnome takapiky gne vavany gne mizaka. 3Da hoy i Paoly nizaka: "Hahazo takapiky am'gn'Andriamanitry anao nda, anao rindry fotsy io izany. Anao sa nda da mipetraky hitsara anà amè lalàna, kanefa da mibeko gne hibonaky enà tsy araky gne lalàna?4Gn'olo nitsanga teo da nizaka hoe: "Izany sarô da jaka hagnivahanareo gne mpisoroben' Andriamanitry?" 5Da hoy i Paoly namaly hoe: "Tsy nahalala iaho rahalahy hoe izy gne lehiben'gne mpisorombe. Sady koa efa vôsoratry fa "tsy tokony agnano zaka ratsy amè mpitondra gne olonao anao."6Raha hitan'i Paoly fa gne sasany tamè filankevitry teo Sadoseo sady Fariseo, da nizaka mafy be izy hoe: "Aminareo rahalahiko, Iaho da Fariseo evakoa, vakirandron'gne lelahin'gne Fariseo. Izay gn'izy aminazy igny satria iaho da magneky sady magnantegna gne fitsaganan'gne maty hitsara anà. 7Raha avy nizaka izany izy da nekàny madinidiky gne Fariseo sy gne Sadoseo, ndre gne vahôky teo da nizara roy agnaby. 8Gne Sadoseo da mihizingizigny fa tsy misy gne fitsangana amè maty zanagny, tsy misy zany anjely zanagny, tsy misy aby zany fanahy zanagny, kanefa gne Fariseo da niatokatoky datò fa misy agnaby izany raha zanagny.9Lasa nikaresokaresoky sady nekàny tampoky teo indreo, gne mpanoro-dalàn'gne Fariseo da nitsanga sady niady hevitry hoe: "Iahay toa da tsy mahita fahadisoa am'zalahy io. Akôry raha gne fanahy na gn'anjely evao gne niresaky taminazy tagny?" 10Satria rekitry gne akanindreo teo, da natahatry gne kapiteny mpitariky sao hifandrombognandreo eo i Paoly, ka nibeko gne raiky tamè miaramila izy hidigny ambany sady hitondra azy ho agny amè mpikambagny ao amè filankevitry sy ho agny an-dapa.11Gn'harivan'gne andro magnaraky da nitsanga teo agnilany ny Tompo sady nizaka hoe: "Ka matàtry anao fa akô gne naninao nijoro vava velo enaha tagny Jerosalema, da tsy mentsy ijoronao vava velo agny Roma evakoa."12Raha nandraigny gn'andro, namorogny fikafika gne Jiosy sasany sady namàtry gn'aindreo miaraka amin'ny fianianana mba tsy hihina na hindrano mandra-pamonoandreo an'i Paoly. 13Mihôtry gne efapolo olo teo indreo nagnano enio fikafika io.14Nandeha tagny amè mpisorimbe sy gne loholo indreo sady nizaka hoe: "Ihay da efa namatry gne ainay, tsy hinananay ino na ino mandra amonoanay an'i Paoly. 15Ankehitriny, raha izà izy, da ampetray gne lohany hizaka ame lehibe dina angatitry enazy aminareo, sady anareo to hanampa-hevitry aminge zava-misy aminazy marina dato. Ho ahy, ihahay da vonony nge amono enazy alohany nge eviany etoa."16Nefa gne zanak'anabavin'i Paoly lelahy da naharè fa mandingy gn'amonoha anazy indreo, raha izaha izy da nandeha izy niditry gne lapa nizaka tam'i Paoly. 17I Paoly da nangaiky gne raiky tam'gne kapiteny da nizaka hoe: ''Indeso am'gne kapiteny pitarika agny ity lelahahy 'ty, fa mana raha hozakay aminazy.''18Noho izà da noresin'i kapiteny igny zaza lehilahy igny sady nindesiny tagny am'i lehiben'gne kapiteny, da hoy izy hoe: "I Paoly, igny lalahy migadra ao igny, gne nagaiky enà handeha aminazy tagny, sady nengavy enà mba hinday en'ty zahahy 'ty aty aminao. Misy raha ho resahany aminao hôy izy. 19Gne lehiben'gne kapiteny nintondra anazy amè tagna ho agny amè toera milamindamy sady nagnotany enazy hoe: "Ino gne raha tokony hozakainao aminà zanagny me?20Da hoy igny zaza lelahy igny: "Gne Jiosy da nagneky agnaby gne hangataky aminao gn'hitondraha an'i Paoly ho agny amè filankevitry homaray, sady indreo lahateo koa hagnotany gne marigny mikasiky enazy. 21Kanefa ka ekè izany, satria efa maherin'gne efapolo olo gn'hamono enazy. Sady efa namàtry gn'aindreo indreo gne tsy hihina sady tsy hisotro mandra-pahafatesan-dreo anazy. Ndre da amitsia koa amtsia da efa vonogny indreo gn'amono enazy fa mandigny gne zaka avy aminao avao."22Da napetraky ny lehiben'gne kapiteny handeha igny zaza lehilahy igny tafaran'gne nagnafaran'enazy hoe: "Ka mizaka ndre aminia, ndre aminia anao hoe nizaka an'zany raha zany tamnà anao." 23Nangaiky gne roy tamè kapiteny izy sady nizaka hoe: "Mangalaha maramila rôzato anao 'zay vonogny handeha agny Kaisaria, sy mpitondra sôvaly fitopolo miaraky amè mpintondra lefo rôzato. Handeha am' telo ora aly anao". 24Sady mbola nagnome beko koa izy mba hagnomezandreo biby hipitihan'i Paoly sady hitondra anazy ho avy agny am'i Feliksa governora.25Avy teo koa da mbola nanoratry taratasy izy hoe: 26" I Klaodio Lysia gn'ho an' i Feliksa governora, akôraby sa." 27Io zalahy io tam'zany da nosamborin'gne Jiosy sady saiky hovonoindreo, fa raha avy niaraky tamè maramila teo aho da nagnavotry enazy satri lalako tokôtry fa olo Romana izy.28Tam'zahy aho da ta halala gn'antony hitoriandreo anazy ka nindesiko tagny amè filankevitrindreo izy. 29Teo iaho vao nahalala fa notorihindreo tamè kabaro mikasiky gne lalàna mifehy endreo izy, kanefa, tsy nisy fempangaha nanohitry enazy ka tokony hahavoasazy sady hapigadra anazy. 30Avy teo, napahafatarindreo enà fa misy hevitry afa helognandreo enazy, 'zay gn'antony nandefasako enazy tagny aminao eo no eo, sady mbola nagnafatry gne mpitory enazy evakoa iaho hindahy gne fempangahan-dreo enazy agny aminao. Veloma".31Noho'zany gne nagnekèn'gne maramila gne bekon-dreo. Nalaindreo sady nentindreo tagny Antipatria i Paoly gn'alin'igny evao. 32Gn'omarain'igny, gne maro tamè maramila da nilefa gne mpitondra sôvaly mba handaha hiaraky aminazy fa indreo koa sa da nipody tagny an-dapa. 33Raha vatany avy tagny Kaisaria gne mpitondra sôvaly da nagnome gne taratasy ho an'i governora sady nanolotry enazy en'i Paoly evakoa.34Raha namaky gne taratsy gne governora da nagnotany gne faritany nevian'i Paoly izy. Raha lalany koa fa avy tagny Kilikia i Paoly, 35da hoy izy: "Ho reko tsara gne momba anao raha avy etoa gn'olo mpitory enao." Sady notananay tao amè fajakà fohiben' i Heroda izy.
1Dimy andro taty afara, nandeha tagny i Ananiasy pisorombe, gne loholo sasany, sy gne mpikabary hangia hoe Tertylo. Io olo agnaby io da nagnoditry havandesa an'i Paoly teo am'governora. 2Raha nitsanga teo akatrefan'gne governora i Paoly da nanomboky nempanga anazy i Tertylo sady nizaka tam' governora hoe: "Mana fedana zakabe iahay noho enao, sady gne fitsàranao da mitondra fiovà tsara zakabe etoa amè firenenay etoa; 3noho izany sa da ankasitrahanay etoa gne fanapaha-kevitrinao, rô Feliksa tsara.4Mba tsy hitazomako enareo elabe lôtry, mangataky fotoa fohiky aminareo iaho mba hiteno tsara anareo. 5Fa ity zalahy ty da hitanay fa bagara sady nitariky gne Jiosy agnaby izao tontolo izao hikota. Da mbola izy evakoa gne mpitariky gne sekta Nazareana. 6Da mbola nolotoiny koa gne tempoly, 'zay gne nisamboranay enazy. ( Fagnamaria: Gne taratasy niopy taloha da nagnampy soratry hoe: "Tiànay lôtry raha tsaray araky gne lalànanay izy." )7(Fagnamariha: Gne taratasy niopy taloha da hita ao amè andininy fahafito hoe: "Avy i Lysia mpendraikitry da nangala anazy forisè taminay tetoa." ) 8Raha hagnotanianao an'i Paoly io raha hobiranay enazy io, da ho lalanao gne fempangahanay enazy aminao teoa." (Fagnamariha: Gne taratasy niopy taloha nagnampy ao amè tapany vôlomany am'gn'andininy faha 8 hoe: "Nalefa taminao iahay." ) 9Ndre gne Jiosy teo evakoa da nagnampy gne fepangaha sady nagnamarigny fa izy agnaby gne teo igny.10Fa i Paoly koa sa da nizaka raha nontondroin'gne mpanapaky hizaka sady hoy izy hoe: "Efa aiko fa mpitsara an'ty tany 'ty anao nandritry gne tao maromaro ka faly ihao gne agnazava aminao. 11Mety lalanao fa ndreky mbola tsy ampy roy ambinin'ny folo andro 'zay gne neviako avy nidera tagny Jerosalema. 12Raha hitandreo tamè tempoly iaho, da tsy nikoraha ndre taminia ndre taminia, na tamè synagoga 'zany, na tamè vahôky, na tamè tanà. 13Tsy misy amindreo afaky hagnome porofo aminao mikasiky gne fangnodira havandesa anindreo amnà io indreo na am'tsia koa am'tsia.14Kanefa da magneky aminao etoa iaho ame resaky sekta zakaindreo igny, satria akô izany evakoa gne hagnompoako gne Andriamanitry gne razatsika. Iaho da magneky gne lalàna sy gny vôsoratr'gne mpaminany agnaby. 15Sady da mana gne fahatokisa gn'Andriamanitry akô indreo evakoa iaho fa hisy gne fitsanganàn'gne ratsy fagnahy sy gne tsara fagnahy amè maty. 16Noho izà, da miezaky isanandro iaho mba hanagny fisaina madio eo akatrefan'Andriamanitry sy gne olombelo mitovy amnà.17Sady taogny maro tafara taty, avy iaho nitondra fagnampia gne fireneko sy gne fagnomeza vola. 18Raha vitako 'zay, da nisy Jiosy kiraikiraiky avy tagny Asia nahita anà tao amè tempoly tsy nisy bagara na korota, nandritry gne fetin'gne fagnadiova. 19Io olo io da tokony nindray taminareo tetoa ka hizaka 'zay hempanganareo enà raha misy ho zakay indreo.20Sady koa, io olo io evao gne tokony hizaka 'zay hitandreo tsy nety gne naniko raha nitsanga teo amè filankevitry gne Jiosy iaho, 21afa tsy gne mikasiky gne raha napikoiky mafy be enaha raha nitsanga t'akatrefandreo teo iaho: "Tsy gn'ino izany fa mikasiky en'ty fitsangana amè maty 'zay hitsarà anà androany 'ty.'22Fa i Feliksa da nampahafatary tsara mikasike gne fampenara. Da hoy izy hoe: "Raha midigny avy agny Jerosalema i Lysia mpibeko, 'zay ihao vao hanapa-kevitry mikasiky enao." 23Sady nibeko gne kapiteny izy avy teo fa tokony hembena i Paoly sady mba hisy fahafahagny 'zay tsy tokony agnisan'gne ho vôsakagny amè fagnampia ilainy izy.24Andro raiky tafaranio, da nipody niaraky tam'i Drosila vadiny i Feliksa, Jiosy io viavy io, nalefa tam'i Paoly izy ka naharè gne mikasiky gne finoa am'i Jesosy Kristy. 25Raha nikoraha niaraky tam'i Paoly mikasiky gne fahamarigna, gne mivatotry sy gne fitsaraha hoa avy indreo, da vadifò i Feliksa ka nizaka hoe: "Manomboky am'tsia da mandehana anao. Fa raha ihoa tanàny gne mana fahafaha da handefa aminao."26Tam'zany da nagnategna izy fa hagnome vola anazy i Paoly, noho izany da nandefa matetiky taminazy izy sady nikoraha. 27Roy tao taty afara, lasa governora nisolo an'i Feliksa i Porsio Festosy, kanefa t'ahazo dera tamè Jiosy izy da napetrany ho hembena avao i Paoly.
1Nitsoky tao ame faritany i Festony, telo andro tafara, niakatry tagny Kaisaria izy sady nahitsy ho agny Jerosalema. 2Nitondra fagnameloa sy fempangaha an'i Paoly agnaby gne lohan'gne mpisoro sy gne Jiosy manakaja tao, nandrisiky 3sady nangataky indreo mba ho vonoy i Paoly, am'zay i Festosy da hangaiky an'i Paoly ho agny Jerosalema hafahandreo mamono enazy egny an-dala egny.4Kanefa namaly endreo i Festosy fa i Paoly da gadra ao Kaisaria sady koa izy hipody agny tselatsela. 5"Noho zany, zay afaky," hoy izy: "da tokony handeha hiaraky aminay ho agny. Raha nagnano ratsy i zalahy io da afaky mempanga anazy enareo."6I Festosy da tsy nijano tagny folo andro na valo andro sady avy teo nidigny tagny Kaisaria, fa tamè gn'andro magnaraky nidobòky t'amè fitsaraha teo izy sady nibeko an'i Paoly mba entina any aminy. 7Ra tonga izy, gne Jiosy avy tagny Jerosalema nipetraky nariny teo, sady nitondra fempangaha maro an'i Paoly nefa tsy nana porofo. 8Fa i Paoly koa sa da niaro tegna mafy sady nizaka hoe: "Tsy nagnano ratsy sady tsy nanohitry gne lalàn'gne Jiosy iaho, sady koa tsy nanohitry na gne tempoly na i Kaisara."9Fa i Festosy koa ta ahazo dera tamè Jiosy da namaly an'i Paoly izy hoe: "Te hiakatry agny Jerosalema anao sa, ho tsaraiko enao agny agnaby gne raha naninao tagny igny? 10Da hoy i Paoly: "Efa mitsanga etoa aloha amè seza fitsaràn'i Kaisara iaho, 'zay hitsaràgny enà signitry. Fa iaho tsy nagnano ratsy gne Jiosy sady lahateo efa lalanao agnaby 'zany.11Kanefa sa, raha nagnano ratsy iaho, tsy matàtry gne maty iaho, vonoy. Fa raha tsisy koa sa gne fempangahandreo enà, da tsy tokony hisy olo hitondra anahy ho agny am'ndreo. Noho izà, mapiakatry am' Kaisara iaho. 12Raha avy nikoraha tamè filankevitry i Festosy da namaly hoe: "I Kaisara gne tadiavinao. Da ho agny am'i Kaisara anao.13Tafaran'io andro io, avy tagny am'i Kaisaria i Agripa mpanjaka sy Berenika hamangy an'i Festosy. 14Nandritry enazy tagny, da nozakain'i Festosy sady nomeny enzay gne fitsaraha mikasiky an'i Paoly; da hoy izy: "Ity zalahy raiky nigadra 'ty nalefan'i Feliksa aty toy ny gadra. 15Raha tamnà tagny Jerosalema, nitory an'ity zalahy ty tamnà gne Jiosy sy gne loholo mpisoro sady nangataky enazy ho faty. 16Da namaly endreo iaho tam'zay fa tsy fomba'gne Romana gne magnome olo ho vonoy raha tsy avy tsaray izy sady mbola hapifagnatrea amè mpitory enazy izy gne mitondra gne ferova tegnany.17Noho izà, raha niaraky avy tetoa indreo, da tsy nandigny ela iaho fa nipetraky teo amè seza fitsarà sady nibeko gn'ampidira an'io zalahy io. 18Raha nitsanga gne mpitory ka nagnameloky enazy, da hitako fa tsy mavesatry gne fempengahandreo anazy. 19Fa indreo koa da nifamaly mikasiky gne fivavahandreo sy mikasiky an'zany Jesosy efa maty zanagny, nambaran'i Paoly io Jesosy io fa velo agny. 20Kaperatry iaho am'ty resaky 'ty, ka noho izany da nagnotaniako indreo raha mazoto gne ho agny Jerosalema mba ho tsaray agny mikasiky en'io fempangaha io.21Fa raha nangataky gne hijano tao amè figadrà i Paoly, da nibeko enazy iaho hijano tao mandram-pandefasa anajy agny am'i Kaisara." 22Fa i Agripa niresaky tam'i Festosy hoe: "Ndre iaho toa da ahare n'ity zalah'ty evakoa." "Homaray," hoy Festosy: "Mahare en'azy anao."23Tamè andro magnaraky, niaraky nagnety fety i Agripa sy Berenika; niaraky nandeha amè efitry misy gne maramila sy gn'olo manakaja tamè tanà indreo. Raha nijaka gne didy i Festosy, da nindesindreo i Paoly. 24Da hoy i Festosy hoe: "I Agripa mpanjaka, anareo lelahy miaraky aminay etoa, ity zalahy ty; anareo Jiosy tagny Jerosalema nifagnaraky tamnà, nitoreo taminà anareo fa tsy tokony hovelo etsana ity zalahy 'ty.25Ekeko fa tsy mana hadisoa tokony ahafaty enazy izy; fa noho izy nangataky gne Amperora, da nanapa-kevitry iaho gne handefa anazy. 26Kanefa sa tsy misy taratasy mazava hosoratako agny am'i Amperora. Izany gne nitondrako enazy aminareo etoa, indrindra aminao mpanjaka Agripa, am'zay iaho mana raha ho sorata maromaro mikasiky en'ty fitoria 'ty. 27Sady evakoa, tsy mety amnà gne mandefa gadra nefa tsy magnambara gn'antony hitoria anazy.
1Da hoy i Agripa tam'i Paoly: "Zakay gne ferova-tegnanao." Jijiky i Paoly gne nagnatatry gne tagnany sady nizaka gne ferova-tegnany. 2"Ambarako eto androany fa faly iaho, ry mpanjaka Agripa, magnambara aminao gne fanoerako gne raha hitorian'itoa Jiosy 'toa Anà aminao etoa; 3fa indrindra da anao gne hitako olo mahay gne fomba sy gne fagnotania mikasiky gne Jiosy agnaby. Noho izà sa da mangataky enao aho hiteno enà hatram'farany.4Marihiko etoa fa fatatry gne Jiosy magnety etoa io agnaby gne fiainako latagny amè fahatanorako sy gne tao Jerosalema. 5Indreo koa nahafatatry hatram'gne vôlohany sady tokony agneky fa Fariseo gne fiainako, 'zay da tena sarotony amè fivavahatsika.6Mahasà mitsanga etoa iaho androany, ho tsaray satria mitadia gne marigny amè fampagnategnà nanihin'Andriamanitry tam'gne razatsika iaho. 7Satria io gne fampagnatenà nibitrihin'gne fokotsika roy ambinifolo ho azony raha nanopo gn'Andriamananitry isan'andro indreo. Izany fampagnategnà zany, ry Agripa mpanjaka gn'antony hitorian'toa Jiosy 'toa anà. 8Nagnino me anareo gne tsy mino fa mananga gn'olo amè maty gn'Andriamanitry?9Nisy fotoa avao iaho nihevitra tamin'ny tenako fa tokony hanao raha maro hanohitry an'i Jesosy avy agny Nazareta. Tagny Jerosalema gne nagnamboarako enio. 10Nagnagadra gne mpino maro iaho raha nomen'gne mpisoro fahefà, sady raha matiko agnaby indreo da nametraky gn'oro-patso hanohitry endreo hatram'farany iaho. 11Nosaziako tagny amè synagoga indreo sady nobekoiko hagnopa agnaby. Vignitry mafy endreo ihao sady nagnejiky endreo na dia tany amin'ireo tanàna any ivelany aza.12Da mbola notihizako evao gne fagnejeha andreo, da raoky nandeha tagny Damaskosy iaho niaraky tam'gne fahefà sy gne didy nomen'gne lehiben'gne mpisoro; 13kaiky tan-dala tegny, tokony efa lagnary igny gn'andro, sa mpanjaka, da nahita hazavà nangilangilatry noho gne masoandro avy t'an-dagnitry iaho raiky, nagnodidy enà sy gn'olo niaraky tamnà. 14Raha nikarapapofoky tamè tany iahay agnaby, da naharè feo niresaky tamnà iaho raiky evao sady mizaka Hebreo izy hoe: "Saoly, Saoly, nagnino anao me magnejiky enà? Sarotry haminao sa gne handeha avao.'15Da hoy iaho hoe: "Ia me anao, Tompo? Da hoy izy namaly: "Iaho io Jesosy henjehenao io aza." 16Mitsangàna anao, am'tsia koa am'tsia; io gn'antony gne nibohahako taminao, ho tendreko ho mpanompo sady ho vava velon'gne raha agnaby anao sy 'zay mikasiky enà am'zao sy gne mbola ho avy zay ho ambarako anao; 17sady koa hagnavotry enao amè vahôka Jentilisa zay hagnirahako anao, 18gn'hanokatry gne masondreo sady hapitodiky endreo hiala amè mizy ho agny amè fahazavà, ham'gne herin'ny satana ho agny amin'Andriamanitry, am'zay indreo mahazo gne famotsora heloky avy amin'Andriamanitry sy gne lova 'zay homeko endreo sady efa noamasigniko tamè finoa.'19Noho izany, Agripa mpanjaka, nagneky gne fahazavà avy t'an-dagnitry iaho; 20fa gn'olo avy tagny Damaskosy, lahatagny Jerosalema sy tagny Jodia mbam'gne Jentilisa, afatry evao gne nomeko endreo mba afahan-dreo mibebaky sy mitodiky amin'Andriamanitry, mba hagnano asa soa. 21Izany gn'antony nisamboran'toa Jiosy 'toa anà tagny amè tempoly sady namonoandreo Enà.22Kanefa sa da nagnapy enà gn'Andriamanitry hatram'zao, noho izany da mitsanga etoa iaho sady mijoro ho vava velo am'gn'olo agnaby sy am'gne olo mana-kaja, sady tsy hijaka raha afa akoatr'gne nozakain'gne mpaminany Mosesy tamnà fa hibôky; 23hijaly sindritry i Kristy, sady izy gne vôlohany hitsanga amè maty sy hitory gne fahazavà ho an'gne vahôka Jiosy sy gne Jentilisa."24Raha vitan'i Paoly gne ferova-tegnany, da nikoiky tamè feao mafy i Festosy hoe: "Very say anao Paoly, be lôtry gne fenara vitanao ka lasa mola anao." 25Da hoy i Paoly hoe: "Aeky, tsy very say aho, Festosy tsara indrindra; fa iaho gne mahasahy gne mijaka gne fahamarigna sy gne fahamatora. 26Kanefa efa fatatrin'gne mpanjaka 'zany raha zany agnaby; noho 'zany, mizàka amin'zay iaho, fa resy lahatry sady tsy nisy havandesa ndre raiky gne raha nozakainy tetoa na nafininy; satria da hita fa tamè mazava gne nibohan'zany raha zany aby tagny.27Mino gne mpaminany anao, Agripa mpanjaka? Efa aiko fa mino anao." 28Da hoy i Agripa tam'i Paoly: "Fotoa fohy sa nda gn'andresenao lahatry enà sady hijakanao enà ho Kristiana?" 29Hoy i Paoly namaly enazy hoe: "Hivavahako amin'Andriamanitry, na ho ela na tselatsela, sady tsanao raiky evao fa, ho an'gn'olo maharè gne feoko androany, mba hitovy aminà anareo fa tsy miaraky am'gne rojy vy etsana."30Raha vita izany, da nitsanga gne mpanjaka, gne governora, i Berenika, sy gn'olo niara-nipetraky tamindreo teo; 31raha nijotso gne tragno fivoria indreo da niresadresaky sady nizàka hoe: "Tsisy raha ratsy nanihin'ty zalahy 'ty ka tokony hamonoa na hamieza tady enazy." 32Da hoy i Agripa tam'i Festosy hoe: "I zalahy 'ty da afaky navosotry raha tsy izy gne nangataky nandeha taty am'i Kaisara."
1Raha tapaky gn'evitry fa ho agny Italia iahay, da napetrandreo eo ambany fibekoan'i kapiteny Jolio i Paoly sy gne gadra hafa, tao amè rezimantan'gn'Amperora. 2Lasa iahay nipitiky amè sambo avy tagny Adramytena niondra nagnaraky gne sisi-tanin'ny Asia. Lasa iahay nandeha nagnaraky gne ranomasy lava be igny. Niaraky taminahy tegny koa i Aristarko avy tagny Tesalonika agny Makedonia agny.3Gn'omarain'igny tody tao amè tanàn'i Sidona iahay, tamè fahatsorapo sady feno hatsaram-pagnahy tokôtry gne nitondrahan'i Jolio an'i Paoly tamè nagnomezany enazy handeha hitety tam'gne namany napetragno endreo. 4Avy tagny iahay avy da nangala sambo nagnaraky gne moron-dranon'i Kyprosy, nitody nagnakeky gne tany iahay satria mafy gne rivotry tam'zay. 5Da nandeha avao iahay ka namakivaky gne ranomasiny sy gne sisi-tanin'ny Kilikia sy Pamfilia, sady nitsaky tao Myra, tanàn'i Lykia. 6Tagny, i kapiteny da nahita sambo afa avy any Aleksandria ho agny Italia. Nafindrany tam'io iahay.7Raha nandeha sambo elaela iahay da tody tao Kinido, faly fa avy teo iahay kanefa tena sahira satria mafy gne rivotry ka tsy afaky nagnaraky gne lalanay etsana iahay, fa lasa nagnaraky gne tsihoky mandeha agny Kreta iahay, 'zay mifanakitsy amè tanàn'i Salmona. 8Da tena sahira iahay nagnaraky gne morondrano mandra-pahavinay amè fitodia atao hoe Tsara-fitodian-tsambo, egny amè akekin'gne tanàn'i Lasea.9Maro gne fotoa laninay tao sady lahateo efa tapitry gne fifadia-kanin'gne Jiosy, gne niondra amè sambo koa tam'zay da efa valovalo. Nampitandrigny endreo mafy i Paoly tam'zay, 10sady nizàka hoe: "Am'nareo lehilahy, hitako ity diatsika 'ty fa hisy olagny, tsy ho an'gne aitsika avao, fa ndre gne sambo sy gne etatsika koa." 11Tam'zay i kapiteny da nagnome hery gne mpitondra sy gne topon'gne sambo araky gne vôzakan'i Paoly.12Tam'zay, sarotry gne hijanogna ao amè fitodian'gne sambo satria ririny gn'andro, da nanapa-kevitry gne mpitondra sambo fa hiala teo, sao mba tafiditry agny amè tanàn'i Foiniksa amy fomba iaby iahay, am'zay mba midobòky agny mandritry gne ririny. Foiniksa io gne serana-sambo agny Kreta, mitodiky megna avaratry-andrefa sy atsimo-andrefa gne misy enazy. 13Raga nanomboky nandrivotry moramora gne rivotr'i tatsimo, da nievitry gne mpandeha sambo fa am'gne nofinofiny 'zay. Napekariny gne vatofatsiky da lasa nadeha nagnaraky gne moron'ny Kreta indreo, sady nagnaraky gne moron-dranomasy.14Tselatsela teo nisy rivotry nifofofofo mafy, Eorakylona gne agnarany, nanomboky nitsioky mafy avy amè tany. 15Raha tratrin'gne rivotry gne sambo sady tsy nahatolo gne heriny, da napagnoritry iahay ka nindesin-drivotry nivevivevy tegny. 16Lasa avao iahay nadeha ka nagnaraky gne sisi-tany raiky Kaoda gne agnarany, sady hita fa saira iahay vao afaky teo sady nandramby gne laka mpagnavotr'olo.17Raha napekarindreo gne laka pagnavotr'olo, da gna tadin'io laka io gne napesaindreo hameheza gne vatan'gne sambo. NIvadifoho indreo satria tokony handeha amè fasik'i Syrtiso, kaiky nalatsakiny gne vatofatsiky ka nadeha hoazy tegny gne sambo. 18Tegny an-dala tegny, tratran'gne tafio-drivotry mahery iahay ka nanomboky teo nagnaria tagny andranomasy gne eta sasany.19Telo andro tafara, nanomboky nagnary gne etany sasasasany koa gne mpandeha sambo. 20Raha andro maromaro iahay gne tsy nahita masoandro sy kintagny sady koa mbola nagnadary gne tafio-drivotry, da nanomboky very fagnatena hanay hoe da mbola ho velo avao.21Lasa lavitry indreo kanefa mbola tsy nihina, da nitsanga tam'gn'olo mpandeha sambo i Paoly ka nizaka hoe: "Ralelahy, tokony nitenoena avao anareo sady tsy nandeha sambo latagny Kreta, 'zao anareo lasa tratrin'gne fatiantiky sady koa mbola maratry agnaby. 22Da hoy aho aminareo hoe mahereza rahalay, fa tsy misy hisy aigny ho very ndre raiky gn'aminareo, afa tsy gne sambo.23Gn'harivan'igny nisy ajelin'Andriamanitry izay Tompoko, sady tompoiko evakoa_ nitsanga t'agnilako n'anjeliny 24sady nizaka hoe: "Ka matahatry, anao Paoly. Mitsanga eo akatrefan'i Kaisara signitry anao, sady gne Andriamanitry sy gne hatsora-pagnahiny gne nagnome anao io olo miaraky mandeha sambo aminao io'. 25Noho izany sa mahereza anareo ra-lelahy! Mino gn'Andriamanitry iaho fa mitovy tamè raha nozakaiko gne hiboda. 26Ndre eo izany sa da efa fatako fa hidofitry ame tokonosy maromaro itsika."27Tam'gne lera faha efatry ambifolo aly, raha avy nariorion'gne ranomasy Andria tegny iahay tokony tam'misasakaly teo, da nieritreritry gne mpitondra sambo fa efa tody amè tany indreo. 28Da nitsapa gn'alalin'gne rano indreo ka hitandreo fa mbola efapolo metatry teo gn'alàliny; da mbola nitsapa avao indreo tafaran'igny ka nahita fa efa nijetsy telopolo metatry teo. 29Natahatry indreo fa sao hidofitry amè vato iahay, ka nandatsaky gne vato fatsiky efatry afy afara indreo sady nivavaky mafy mba ho avy gne marandray.30Nitadia fomba hametrahany gne sambo gne mpitondra sambo ka nandatsaky gne laka famoje aigny tagny andranomasy, sady nody nandatsaky gne vatofatsiky tamè lohan'gne sambo indreo. 31Da hoy i Paoly tamè kapiteny sy gne maramila hoe: "Raha tsy mijano agnaty sambo ireo lehilahy 'reo, da tsy ho vôvonjy anareo." 32Tapoky teo gne maramila, avy da nanapaky gne tadin'gne laka ka letiky indreo.33Vao nazava ratsy gn'andro, da naporisihin'i Paoly indreo handeha hangala hany misimisy. Hoy izy hoe: "Ity gn'andro faha efatry ambifolo nodiasanareo sady tsy nihinananareo; tsy nihina na ino na ino anareo. 34Noho zany da maporisiky iaho zaray gne hany, mba hahavelo enareo. Sady tsy ho hisy very ndre raiky anareo, ndre gne vihimbolonareo." 35Raha avy nizàka an'zany izy, da nandray mofo sady nisaotry an'Andriamanitry tamasondreo agnaby teo. Nozarazarainy gne mofo avy teo sady nihina izy.36Natajaky indreo ary naka sakafo evakoa. 37Olo teo amè 276 teo iahay tam'io sambo io. 38Raha avy nihina indreo, da nariandreo tagny andranomasy gne vary sasany am'zay meva gne sambo.39Raha nazava tsara gn'andro, tsy fantan-dreo gne tany satria nisy sapa-drano nisy tokopasiky, nifandiniky teo indreo raha afaky mandeha egny gne sambo. 40Notapahandreo tam'zay gne vatofatsiky ka nariandreo tagny amè ranomasy. Nalatsakindreo koa gne tady teo amè lohany sady natsangany gne lay takitsy gne rivotry; lasa nagnakeky gne tokopasiky indreo avy teo. 41Avy teo amè ranomasy nifanapaky indreo ka nidofitry tamè tany gne sambo. Nirekitry teo gne loha-sambo da nijano tsy afa-netsiky, fa gne vodi-tsambo nanomboky vaky vokatry gne heriny gne onja-dranomasy.42Kaiky gn'hevitrin'gne maramila da gne hamonogne gadra tao mba tsisy am'ndreo gne ho afaky hilagno na hilefa. 43Kanefa i kapiteny ta hagnavotry an'i Paoly, ka najanogny gne tetikindreo; fa zay nahay nilagno da nobekoiny hitrebôky ka handeha aloha sady nitody egny amè tany. 44Avy teo koa nagnaraky gne sasany tamè lelahy sisa tao, gne sasany nitsignepo niaraky am'gn'azo fisaky, gne sasa nitsignepo ame raha afa. Izany agnaby gne raha niseho tamè dianay tegny sady da tody soa ama-tsara tety amè tany evao iahay.
1Raha tody soa amatsara iahay, zay vao nahalala hoe Melita gn'agnaran'ity tany misy enay 'ty. 2Gne topotany tao da tsy vitany hoe hatsora-po avao gne nomeny, fa mbola namelo afo indreo sady nampandroso enay noho iahay tratrin'gne rikandro nivatravatra sy gne hatseky.3Raha igny i Paoly nandagno hitay sady nametraky en'izany tam'gn'afo, da nisy menaraha nijotso tratrin'gne hafanà sady nifamolopolotry tamè tagnany. 4Raha hitan'gne topotany nohantona tame tanany ilay biby, da nifapiresaky indreo hoe: "Mpamono olo nilefa avy t' andranomasy 'ty zalahy 'ty, ka tsy tokony ho velo koa raha gne hitsiny izy.''5Nihitsikitsehany mafy hilatsaky agnaty afo igny bibilava igny 'zay tsy naparàtry enazy aby. 6Nandigny indreo sao ho vohan'gne tazo izy na ho faty tapoky. Raha avy nagnety enazy nahadigny teo indreo sady nahita fa tsy nisy raha nahazo enazy, da niova hevitry indreo sady nizaka hoe andriamanitry izy.7Takeky teo nisy tany an'gne topon'ity tokonosy 'ty, i Poplio gne agnarany. Napandroso enay tan-dragno izy sady nagnome hany enay nandritry gne telo andro. 8Voan'gne tazo i aban'i Poplio tam'io andro io sady nivalan-drà. Nandeha tagny amn'azy i Paoly ka nametra-tagna sady nivavaky enazy ka sitragny izy. 9Tafaran'zay da raoky nagnato enazy agnaby gn'olo tsy salama magnodidy teo am'io tokonosy io ka sitragny soamatsara. 10Nagnome voninahitry enay gne vahôka marobe teo. Raha nietsiketsiky hiondra amè sambo iahay da samy nagnome zay ilainay indreo teo.11Telo vola katroky taty afara iahay nandeha niondra tamè sambo nijano teo amè tokonosy nandritry gne ririny iahay, an'i Aleksandria io sambo io, sady misy soratry hoe "sarikamban'andriamanitry" eo amè lohany. 12Raha avy tamè tanàn'i Syrakosa iahay, da nipetraky tao nandritry gne telo andro.13Niala teo iahay ka nandray sambo ho agny amè tanàn'i Regioma. Andro raiky taty afara, nisy tafiodrivotry avy taty atsimo ka lasa roy andro iahay vao avy amè tanàn'i Potioly. 14Hitanay tao gne rahalahy sasany sady napandroso enay hijanogny tao nandritry gne fito andro indreo. Tam'gn'alalan'zany gne nahavy enay tao Roma. 15Avy aby gne rahalahy vao nahare hoe avy iahay ka nitsena anay manomboky amè bezaran'i Apio ka hatragny ame tragnom-bahiny telo. Raha nahita gne rahalahiny aby i Paoly da nisaotry an'Andriamanitry sady nahazo hery.16Raha niditry tao Roma iahay, da nahazo alalagny i Paoly hiara hihina amè maramila niamby enazy. 17Telo andro tafara da nangian'i Paoly niaraky agnaby gne lehilahy mpitariky tao amè Jiosy. Raha nindray avy tao indreo da nizaka izy hoe: "Am'nareo rahalaiko, ndre da tsy nagnano ratsy tam'gn'olo na tamè fomban'gne razatsika iaho da natolotry ho gadray tagny Jerosalema tapelatagnan'gne Romana. 18Raha avy nagnodikodigny enà indreo, da nagniry gne agnafaky enà, satria tsy nisy tokony hamonoa ho faty enà.19Fa nandà gne sitapon-dreo gne Jiosy, da vôtery iaho napangaiky an'i Kaisara, ndre da tsy tokony hinday fitoria hanohitry gne fireneko iaho. 20Noho gne toreoko, da nangataky gne ahita anareo sy hiresaky aminareo iaho. Izany sa da noho gne fahatokisan'Israely amè hifehy enà am'ty rojy vy 'ty.21Avy teo da nizaka tamn'azy indreo hoe: "Iahay toa da mbola tsy nahavôray taratasy mikasiky enao avy tagny Jodia, ndre rahalay avy tagny ka nitatitry na nagnoditry raha ratsy enao. 22Kanefa sa tiànay ho rè gne eritreritrao mikasiky 'zany sekte-nao zanagny, satria lalanay fa efa ratsy laza egny amè magnodidy egny io.23Raha nagnome andro enazy indreo, da maro gn'olo nagnato enazy tagny amè tragno nivatagnany. Napafatariny endreo gne raha niainany sady nizoro vava velo ho an'gne fajakan'Andriamanitry izy. Niezaky izy gne nandresy lahatry endreo mikasiky an'i Jesosy, na tam'i Mosesy 'zany na tam'gne mpaminany, nindesin'gne andro hariva avao. 24Gne sasany da resy lahatry tamè raha nozakainy sady kaperatry, fa nisy evakoa gne mbola nalai-kino.25Raha tsy nifagnaraky indreo, da nandeha tafaran'gne nizakan'i Paoly an'ty zaka ty hoe: "Efa nozakain'gne Fagnahy Masina gne razanareo tam'gn'alalan'Isaia mpaminany." 26Da hoy izy hoe: "Amè feo gne handregnesanareo, kanefa ts'ahatakatry anareo; sady koa amè fahità gne ahitanareo, fa ts'ahita.27Lasa bodo gne fòn-dreo sady sarotry tamè sofindreo gne aharè, ka nagnakipy gne masony agnaby indreo. Fa raha tsy 'zay da mety ahita amè masony evao indreo, sady aharè amè sofiny, gne sady hatakatry amè fòny da hipody avy eo, sady hagnasitragny endreo iaho."'28Noho 'zany, tokony ho lalanareo fa 'zany famojen'andriamanitry 'zany da nalefa tam'gne Jentilisy, sady hiteno enazy indreo. 29(Fagnamaria ery amè pajy farany ambany ery: Asa 28: 29- Gne taratasy sasany niopy taloha da mana gne andininy 29 hoe: "Raha nizaka an'io raha io izy, da nihongaky gne Jiosy nandeha. Nisy katreokatreoky tamindreo.")30Nipetraky nandritry gne roy tao i Paoly tao amè tragno 'zay nohofahy manoka, sady napandroso 'zay avy tamn'azy teo izy. 31Nagnambara gne fajakan'Andriamanitry izy sady napianatry gne mikasiky en'i Jesosy Kristy tamè fasahia. Tsy nisy olo nanàka an'azy tam'zany.
1Paoly, apostoly raiky an'i Kristy tame sitrapon'Andriamanitra, sy Timoty rahahany, ho ane fengonan'Andriamanitra izay ao ame Korinto, ary ho an'ireo mpino rehetra magneragny gne faritra Akaia. 2Ho aminareo gne fahasohavagny sy gne fihadanagny avy amin'Andriamanitra Abatsika sy gne Tompo Jesosy Kristy.3Ho deraigny ane gn'Andriamanitra sy Aban'i Tompontsika Jesosy Kristy. Izy no Abany gne famindram-po rehetra sy Andremanitry gne fampiononagny rehetra. 4Andriamanitra da mampionigny antsika rehetra ame fahoriantsika rehetra, ka mba ahafahantsika mampionogny ireo izay ao agnatiny fahoriagny. Isika da mampionigny ireo hafa tahaka gne ampionognigny izay nampiasan'Andriamanitra antsika.5Fa mitovy gne hitombohan'ny fijalian'ny Kristy nohon'ny gnaminay, no hitombohan'ny fampiononagny anay koa amin'ny alalan'i Kristy. 6Fa ra nampijaliny izahay, da ho an'ny fxampionanagny sy famonjegny anareo. Ary raha nampionangigny izahay, izany da ho fampionanagny anareo. Gne fampionangy da mandaitry raha managny faharetagny hizara ireo fijaliany izay mitovy ame fijaliany koa.7 Fa gne fatokisany momba anareo da azo antoky, satria izahy da mahafantatry fax anareo koa da mizara ireo fijaliegny,anareo koa da mizara fampiononagny.8Da tsy tianay anareo tsy ahafantatry, ry rahalahy, ame gnolagny nahajo anay tagny Asia. Izahay da novesarigny da to mihotry gne tokony ho zakanay, be lotry da tsy nagnategna gnovelogny ela koa iahy . 9Taminay tokotry gne fagnamelohagny ho faty. Fa izany gne nahatonga anay tsy hametraky gne tokanay eo ame tegnanay avao, fa kosa amin'Andiamanitra izay mampintsanga gne maty. 10Nagnavotry anay tame loza mahafaty mitovy amizany izy, ary da mbola hagnavotry avakoa. Iay da mametraky gne tokinay taminazy fa da mbola hagnafaky indraiky avako izy.11Izy da hagnano anizany satria axnareo koa da magnampy anay ame gnalalane vavakareo. Da maro aveo gne hagnome fisaoragny ame gnagnaranay nohogne tombom-pahasoavagny nomegny anay tame gnalalane vavake maro12Iay da mirehareha tokotry ame fijoroagny vavolombelogny ame feony gne fieritreretanay . Fa tame fikasa madio sy fahasoram-po izay avy amin'Andriamanitra izay nitondranay gne tegnanay ao amin'izao tontolo izao. Iay da nahavita izany rehetra izany ankamarohany da niaraky taminareo-- tsy tame fahendren'izao tontolo izao,fa tame fahasoavan'Andriamanitra.13 Iay da tsy nanoratry zavatry tsy ho vovaky ho anareo. Iao da magnatenga fa,14 satria anareo nahazo gne mombanay ame ampahany. Iay da ho antony gne reharehanareo ame andron'i Tompontsika Jesosy, mitovy aminareo ho antony gne reharehanay.15Satria natoky gne mombanizay iao, da te ho agny aminareo agny eky, mba hahafahanareo mahazo gne tombiny ame fitsidiagny roy. 16Niomagny hamangy anaeo raha tame lalako hoangy Makedonia iaho. Ary evy eo da nagniry gnemagny anareo indraikyn avakoa iaho tame diako latagny Makedonia, ary gne mba hagnateranareo anaha tegny ame lalako ho agny Jodia avy eo.17Da niheritreritry akohizany aho, nisalasala nda iaho? Nagnomagny gne raha araky gne nofy nda iaho, mba irognako "Eny, eny " sy "tsy , tsy "ame fotogny raiky avao. 18Fa satria Andriamanitrta da matoky, isika da tsy afaky hiteny na "Eny" na "Tsy "19Fa gne zanak'Andriamanitra, Jesosy Kristy, izay notorihan'i Sylvanosy,Timoty ary iaho taminareo, da tsy "Eny " na "tsia ". Fa izy da nizaka matetiky hoe "Eny ".20 satria gne fampagnatenan'Andriamanitra da "Eny"agnaby aminazy.Da ame alalany koa isika da hirogny hoe" Amena" ho ane voninahitr'Andriamanitra.21Ary gn'Andriamanitra zay nagnamafy anay aminareo ao amin'i Kristy, izy tokôtry nda gne nagniraky antsika. 22Izy da nagnisy tombo-kase tamintsika ary nagnome fagnahy ho ao ampntsika ho antok'izay mbola omeny antsika koa nda afara agny.23Fa niantso an'Andriamanitra iaho, nagnano vavolombelogny ho anaha izay antony tsy nevisako tao Korinto mba hamindrako fo aminareo. 24Izany da tsy sagnatria noho izahay miezaky ny mamehy izay tokony ho finoanareo. fa kosa izahay da miara-miasa aminareo ame fifalianaeo, satria ianareo mijoro ao ame finoagninareo.
1Paoly, apostolin'i Jesosy Kristy araky gne didin'Andriamanitry izay mpagnavotry atsika sy i Jesosy Kristsy, 2ho an'i Timoty olo mariny ame finoa: Da fasoava, famindra-po, fiadana avy amin'Andriamanitry Ray sy i Jesosy Kristy Tompotsika.3Gne raha nangatako mafy ho aninao raha miala a Makedonia iaho da mipetra ao Efesosy mba hafanao mibeko gne olo sasany tsy hampianatry foto-fampianara hafa. 4Tsy tokony hitandry gne tantara sy tetiara tsisy fiafarany indreo. Indreo da miteraky ady hevitry fa tsy magnampy gne drafitr'Andriamanitry, izay am'gnalalan'gne finoa.5Sady gne tajon'gne didy da gne fitiava avy ame fo madio, avy ame feon'e fieritrereta tsara, sady avy ame finoa tsisy fiatsarambelatsy. 6Gne olo sasany da tsy natratry gne tanjony sady tamindreo gne raha hoan'e fandahara zaka molamola.7 Indreo da te ho mpampiana-dalà, nefa indreo da tsy mahazo gne raha zakaigny sy hizingizignindreo. 8Fa atsika da mafantatryfa gne lalàna da tsara raha misy raiky mampiasa anazy ame ara-dalàna.9Atsika da mahalala an'iza, fa gne lalàna da tsy nany hoan'gne olo mariny, fa hoan'gne mpandika lalàna sy gne olo mpagnano ratsy, ho andreo ratsy fagna sy mpanota, sady ho andreo andriamani-diso sy tsy masina. Izany da nany ho andreo zay mamono an'i abany am'endriny, ho andreo mpamono olo, 10ho andreo ratsy fitondra-tegna ara-nofo, ho andreo sodomita, ho andreo mpangalaky olo fôrise mba andevozy, ho andreo mpavandy, ho andreo vavolombelo ne tsy mariny, sady na ino na ino hafa manohitry gne fampianara azo itokisa. 11Io fampianara io da mifagnaraky ame filazantsaran'e voninahitry Andriamanitry izay votahy sy izay nankiny tamina.12Isaorako an'i Jesosy Kristy Tompontsika. Nankahery ana Izy, fa naniny matoky iaho sady notendreny tame fanompoa iaho.13 Iaho da mpizaka ratsy, mpagnenjiky, sady lelahy tia ady. Nefa nahazo famindra-po iaho satria tame tsy fahalala gne namboarako an'iza avy ame tsy finoa. 14Fa gne fasoavan'e Tompotsika gne nampino sy nanagna fitiava tam'i Jesosy Kristy.15Ity hafatry ty da azo antoky sy magneva gne fagneke rehetra, fa i Jesosy Kristy da avy tambony tany hagnavotry gne olo mpanota. Iaho gne tena ratsy tam'ireo. 16Fa avy tam'iza antony iza gne namelany heloko, mba am'gn'alalako, gne zakabe indrindra da mety i Jesosy Kristy hagnaboky gne fahareta aby. Nagnano an'iza Izy mba ho ohatry hoan'zay mikiry hatoky anazy hoan'e fiaina mandrakizay. 17Sady hoan'gne mpanjakan'e taona, tsy mety maty, tsy hita maso gne Andriamanitry toka anie gne laza sy voninahitry mandrakizay doria. Amena.18Izao didy izao gn'omeko anareo, Timoty zanako, araky gne faminania nany mikasiky anao taloha tagny, fa anao da mety hiady gne ady tsara,19 gne fitazoma gne finoa sy gne feon'e fieritrereta tsara. Tame tsy fagneke an'izany da nisy nagnano sambo gne finoany.20 Akô i Hymeno sy Aleksandro, izay nomeko an'gne Satana mba hampianara andreo tsy hizaka ratsy.