Malagasy, Tanosy: Bible for 1 Chronicles, 1 Corinthians, 1 John, 1 Kings, 1 Peter, 1 Thessalonians, 1 Timothy, 2 Chronicles, 2 Corinthians, 2 John, 2 Kings, 2 Peter, 2 Thessalonians, 2 Timothy, 3 John, Acts, Amos, Colossians, Daniel, Ecclesiastes, Ephesians, Esther, Ezekiel, Ezra, Galatians, Habakkuk, Haggai, Hebrews, Hosea, Isaiah, James, Jeremiah, Job, Joel, John, Jonah, Jude, Lamentations, Luke, Malachi, Mark, Matthew, Micah, Nahum, Nehemiah, Obadiah, Philemon, Philippians, Proverbs, Revelation, Romans, Song of Solomon, Titus, Zechariah, Zephaniah

Formatted for Translators

©2022 Wycliffe Associates
Released under a Creative Commons Attribution-ShareAlike 4.0 International License.
Bible Text: The English Unlocked Literal Bible (ULB)
©2017 Wycliffe Associates
Available at https://bibleineverylanguage.org/translations
The English Unlocked Literal Bible is based on the unfoldingWord® Literal Text, CC BY-SA 4.0. The original work of the unfoldingWord® Literal Text is available at https://unfoldingword.bible/ult/.
The ULB is licensed under the Creative Commons Attribution-ShareAlike 4.0 International License.
Notes: English ULB Translation Notes
©2017 Wycliffe Associates
Available at https://bibleineverylanguage.org/translations
The English ULB Translation Notes is based on the unfoldingWord translationNotes, under CC BY-SA 4.0. The original unfoldingWord work is available at https://unfoldingword.bible/utn.
The ULB Notes is licensed under the Creative Commons Attribution-ShareAlike 4.0 International License.
To view a copy of the CC BY-SA 4.0 license visit http://creativecommons.org/licenses/by-sa/4.0/
Below is a human-readable summary of (and not a substitute for) the license.
You are free to:
The licensor cannot revoke these freedoms as long as you follow the license terms.
Under the following conditions:
Notices:
You do not have to comply with the license for elements of the material in the public domain or where your use is permitted by an applicable exception or limitation.
No warranties are given. The license may not give you all of the permissions necessary for your intended use. For example, other rights such as publicity, privacy, or moral rights may limit how you use the material.

1 Kings

Chapter 1

1Gny fa tena atisy i Davida Pazaka dra nirakofan'ereo taminigny bodofosy izy, kanefa sy nety nahazo hafana. 2Dra hoy reo panopony taminazy: "Aoka isika hitalia tovovavy viriziny ho anigny pazaka toposika. Aoka izy hanopo gny pazaka vo hikarakara anazy. Aoky izy hahare eo asandriny ba hagnafana gny pazaka toposika."3Dra nitalia zaza apela soa tarehy eranigny fari-tanin'Israely ereo. Nahita an'i Abisaga Sonemita ereo dra ninday anazy tagny aminigny pazaka. 4Tena soa tarehy vatany gny zaza apela igny. Nanopo gny pazaka vo nikarakara anazy izy, nefa sy niaraky ara-nofo taminazy gny pazaka.5Tamizay fotoa zay, i Adonia zanadahin'i Hagita dra nanadrasy gny vatany, nanao anizahoky ho: "Zaho gny ho pazaka." dra nagnoma kalesy vo pitikisy sovala nindray taminigny dimapolo lahy ba handeha hialoha lalan'anazy izy. 6Gny rany dra sy bo nagnakorota-say anazy, nanao anizahoky ho: "Nagnino hanao gny nanao anizao?" I Adonia dra lelahy tena soa tarehy, teraky nagnarakaraky an'i Absoloma.7Nifapizaka tamin'i Joaba zanak'i Zeroia vo tamin'i Abiatara pisoro izy. Nagnaraky an'i Adonia ereo dra nagnapy anazy. 8Fa Zadoka pisoro, vo Benaia zanak'i Joiada, vo Natana pamonany, Simey, rey, dra gny lelahy mahery ze an'i Davida koa dra sy ba nagnaraky an'i Adonia.9Dra Adonia nanao soron'agnondry aman'osy, agnomby dra zanak'agnomby mifahy teo agnilanigny vaton'i Zoheleta, ze eo agnilan'i En-rogela. Nasainy avokoa gny rahalahiny aby, reo zanadahinigny pazaka, dra gny lelahin'i Joda aby, vo reo panoponigny pazaka. 10Saiky sy nanasa an'i Natana paminany, vo Benaia dra reo lehilahy mahery, na i Solomona rahalahiny izy.11Dra Natana nizaka tamin'i Batseba renin'i Solomona, nanao anizahoky ho: "Bo sy renao ra fa lasa pazaka i Adonia zanadahin'i Hagita, dra sy mahafatasy anizay i Davida toposika? 12Noho izay dra angao zaho hanoro hevisy anao amizao, ba hamozenao gny ainao vo gny ain'i Solomona zanadahinao.13Mandehana magnagny amin'i Davida pazaka; zakao aminazy ho: 'Ry pazaka topoko, moa ra hanao sy niania tamigny panoponao, nanao anizahoky ho: "Azo atoky vatany fa i Solomona zanadahinao gny hazaka handimby anahy, dra hipetraky eo amigny seza fiandrianako izy?" 14Raha bo mizaka amigny pazaka egny hanao, dra ho avy ao afaranao zaho dra hagnamafy reo zakanao."15Dra nagnao amigny rfitragnonigny pazaka i Betseba. Fa tena atisy gny pazaka, dra Abisaga Sonemita gny nanopo gny pazaka. 16Nagnondriky gny vatany vo nagnondriky teo agnatrehanigny pazaka i Betseba. Dra hoy gny pazaka ho: "Ino gny irinao?" 17Dra hoy izy taminazy: "Ry Topoko, hanao niania tamigny panoponao tamigny alalan'i Yaveh zagnaharinao, nizaka ho: 'Azo atoky vatany fa i Solomona zanadahinao gny hazaka handimby anahy, dra hipetraky eto amigny seza fiandrianako izy.'18Amizao, ingo, Adonia gny pazaka, dra hanao, ry pazaka topoko, dra sy mahafatasy anizay. 19Nanao soro agnomby, zanak'agnomby mifahy, vo agnondry aman'osy maro be zay, dra nanasa reo zanadahinigny pazaka aby, Abiatara pisoro, dra Joaba kapiteninigny tafiky, kanefa sy nanasa an'i Solomona panoponao izy.20Fa raha gny aminao, ry pazaka topoko, gny masonigny Israely aby dra eo aminao, mandigny anao ba hizaka amin'ereo ho iza gny hipetraky eo amigny seza fiandriana handimby anao, ry topoko. 21Fa raha sy izay, dra hihery hanahaky gny panao meloky izaho vo Solomona zanako, gny fa homaty miaraky amireo razany gny pazaka topoko."22Dra raha bo nizaka tamigny pazaka izy, dra nilisy i Natana paminany. 23Reo panopo nizaka tamigny pazaka ho: "Io i Natana paminany." Gny fa nandroso teo anoloanigny pazaka izy, dra napekohoky gny vatany teo agnatrehanigny pazaka vo meraky nihohoky tamigny tany gny tavany.24Hoy i Natana: "Ry pazaka topoko, nizaka ra hanao ho: 'I Adonia gny hagnaza handimby anahy, dra hipetraky eo amigny seza fiandrianako izy?' 25Akory nandeha nizoso izy androany dra nanao soro agnomby, vo zanak'agnomby mifahy, dra agnondry aman'osy maro be, vo nanasa gny zanaky gny pazaka aby, reo kapiteninigny tafiky, dra Abiatara pisoro. Mihina vo mino eo anoloany ereo, dra mizaka ho: "Ho ela velon'anie i Adonia pazaka!"26Fa izaho, panoponao, vo Zadoka pisoro, Benaia zanadahin'i Joiada, dra Solomona panoponao, dra sy nasany izahay. 27Dra nanao anizay dra sy nizaka taminay, panoponao, ze tokony hipetraky eo amigny seza fiandriana handimby anazy ra gny pazaka topoko?"28Dra namaly i Davida pazaka dra nanao anizahoky ho: "Tokavo hiherin'eto aminahy i Betseba." Dra nilisy teo agnatrehanigny pazaka izy dra nisanga teo anoloanigny pazaka. 29Nanao voady gny pazaka dra nanao anizahoky ho: "Raha bo velo koa i Yaveh, ze nagnafaky anahy tamigny olon'aby, 30manahaky gny nanovako voady taminao tamigny alalan'i Yaveh, gny Zagnaharin'Israely, manao anizahoky ho: "Hazaka handimby anahy i Solomona zanakao, dra hipetraky eo amigny seza fiandrianako eo amigny toerako izy,' dra hataoko zay androany." 31Dra nagnondriky gny tavany tamigny tany i Betseba, dra napekohoky gny vatany teo anoloanigny pazaka nanao anizahoky ho: "Ho velo mandrakizay anie Davida pazaka topoko!"32Hoy i Davida pazaka ho: "Tokavo hagnaminahy atiky i Zadoka pisoro, vo Natana paminany, dra Benaia zanak'i Joiada." Dra nagneo agnatrehanigny pazaka ereo: "Andeso miaraky amindrareo gny panoponigny topondrareo, dra apitikiro gny apondrako i Solomona zanadahiko dra andeso mizoso agny Gihona izy. 34Aoky i Zadoka pisoro vo Natana paminany hagnososy anazy ho pazaka eo amigny Israely dra hisioky gny tropetra dra nanao anizahoky ho: "Ho ela velon'anie i Solomona pazaka!"35Dra hiakasy hagnaraky anazy handrareo, dra hilisy vo hipetraky eo amigny seza fiandrianako izy; akory ho pazaka eo amigny toerako izy. Izaho fa nanendry anazy ho pitondra eo amigny Isrealy vo Joda." 36Dra namaly gny pazaka ho: "Hotateraky anie izay! ho hamafisin'Yaveh, Zagnahariny gny pazaka topoko, anie izay. 37Manahaky gny nomban'i Yaveh pazaka topoko anie, gny hagnombany an'i Solomona koa, dra hataony lahibe noho gny seza fiandrianan'i Davida pazaka topoko gny seza fiandrianany."38Ko lasa nizoso niaraky tamin'i Solomona nitikisy gny apondran'i Davida pazaka i Zadoka pisoro, Natana paminany, Benaia zanak'i Joiada, vo reo Keretita, dra reo Peletita, nandesin'ereo nizoso tagny Gihona izy. 39Nangalaky gny tandroky misy menaky boak'ao amigny lay i Zadoka pisoro dra nagnososy an'i Solomona. DRa nisofin'ereo gny tropetra, dra hoy gny olon'aby ho: "Ho ela velo anie Solomona pazaka!" 40Boak'eo dra niakasy nagnaraky anazy gny vahoaky aby, dra nisioky sodina gny vahoaky dra niravoravo tamigny fifalia lahibe, dra nihozongozo nohonigny feon'ereo gny tany.41Dra i Adonia vo reo vahiny aby ze niaraky taminazy nahare anizay gny fa avy nihinanan'anereo. Gny fa nahare gny feonigny tropetra i Joaba, dra hoy izy ho: "Magnino gny misy tabataba eto amigny tana?" 42Raha bo nizaka izy, dra avy i Jonatana zanak'i Abiatara pisoro. Hoy i Adonia ho: "Mandrosoa, fa lelahy mendriky hanao dra mandesa vaovao mahafaly."43Dra namaly i Jonatana dra nizaka tamin'i Adonia ho: "Davida pazaka toposika fa nanao an'i Solomona ho pazaka, 44dra gny pazaka fa nagniraky an'i Zadoka pisoro, Natana paminany, vo Benaia zanak'i Joiada, dra reo Keretita vo reo Peletita. Fa napitikirin'ereo gny apondranigny pazaka i Solomona. 45Zadoka pisoro vo Natana paminany dra fa nagnososy anazy ho pazaka tagny Gihona, dra niakasy tami-pifalia boak'agny, hany ka agnaty tabataba gny tana. Izay gny tabataba renao.46Dra mipetraky eo amigny seza fiandriananigny fazaka avo koa i Solomona. 47Fagnapin'izay, dra avy nisondrano an'i Davida pazaka toposika gny panoponigny pazaka, nanao anizahoky ho: "Hataon'Agnaharinao soa noho gny agnaranao anie gny agnaran'i Solomona, dra hataony lahibe noho gny seza fiandriananao anie gny seza fiandrianany.' Dra niakohoky teo am-pandria gny pazaka. 48Dra hoy koa gny pazaka ho: "Deraina anie Yaveh, gny Zagnahariny gny Israely, ze nagnome olo raiky hipetraky eo amigny seza fiandrianako amizao androa izao, dra afaky mahita anizay gny masoko."'49Dra raiki-tahosy reo vahinin'i Adonia aby. Dra nisanga ereo dra samby nandeha tamigny lalany aby. 50Dra i Adonia dra natahosy an'i Solomona dra nisanga, nandeha, dra nifahasy gny tandrokigny alitara. 51Boak'eo dra nitalily tamin'i Solomona zay, nanao anizahoky ho : "Ingo, matahosy an'i Solomo pazaka i Adonia, akory nifahasy reo tandroky gny alitara izy, nanao anizahoky ho, 'Aoky i Solomona pazaka hiania aminahy meloha fa sy hamono gny panopony amigny sabany izy."'52Dra hoy i Solomona: "Raha haneho gny vatany ho lelahy mendriky izy, na dre singam-bolony raiky aza sy ho lasaky amigny tany, fa raha faharasia koa gny hita ao aminazy, dra ho maty izy." 53Dra nagniraky olo i Solomona pazaka, ze ninday an'i Adonia nizoso boak'eo amigny alitara. Dra avy izy dra nandohaliky teo amin'i Solomona pazaka, dra hoy i Solomono taminazy: "Mandehana agny atragnonao."
Chapter 2

1Gny fa mariny gny andro nahafatesan'i Davida, dra nandidy an'i Solomona zanany izy, nanao anizahoky ho: 2"Handeha amigny lalanigny tany aby zaho. Matazaky, noho izay, dra asehoy fa lelahy gny vatanao. 3Tano reo didin'i Yaveh zagnaharinao ze mandeha amigny lalany, akatoavo reo lalany, reo fanapaha-keviny, dra reo didim-pagnekeny, mitandrema amize voasorasy ao amigny lalan'i Mosesy, ba hambiny amize ataonao aby hanao, na eza na eza alehanao, 4ba hahafahan'i Yaveh magnatateraky gny zakany ze nizakany mahakasiky anahy, manao anizahoky ho: 'Raha magnety soa gny fitondra-tegna reo zanadahinao, dra handeha eo alohako apitokia miaraky amigny fo vo fagnahin'ereo manotolo, dra sy hisahasy gny hana lelahy eo amigny seza fiandrianan'Isrealy hanao.'5Hanao avo koa dra mahafatasy ze nataon'i Joaba zanak'i Zeroia, dra ze nataony tamigny pifehy ro gny tafik'Israely, dra tamin'i Abnera zanadahin'i Nera, dra tamin'i Amasa zanadahin'i Jetera, ze nivonony. Nizarany ta-pedagna gny lion'aly dra napetrany teo amigny fehi-troky nagnodidy gny valahiny vo tamigny kapa teo atombiny gny lion'aly. 6Mifanera amin'i Joaba amigny alalanigny fahendrena fa nindesanao, saiky ka anga hizoso agny amigny lolo apedagna gny volo fosy.7Na dre izay aza, manehoa hasoa-fagnahy amireo zanadahin'i Barzilay Giledita, dra angao ho isan'ireo ze hihina eo an-databasao ereo, fa avy aminay atiky ereo gny fa nienga boak'agny amin'i Absaloma rahalahinao zaho.8Ingo, fa mindray aminao i Simey zanadahin'i Gera, gny Benjamita boak'agny Behorima, ze nagnozo anahy tamigny ozo mahery vaiky tamigny andro nandehanako tagny Mahanaima. Dra nizoso hihao taminahy tagny Jordana i Simey, dra niania taminazy tamigny alalan'i Yaveh zaho, nanao anizahoky ho: 'Sy hamono anao amigny sabasy zaho.' 9Ko amizao ka anga ho afaky amigny seza izy. Lelahy hendry hanao, dra ho fatasao ze tokony hataonao aminazy. Handesinao mizoso agny amigny lolo miaraky amigny lio gny volo fosiny."10Boak'eo i Davida dra nimaty niaraky tamireo razambeny dra nalevy tao amigny tanan'i Davida. 11Efapolo tao teo reo fotoa nazakan'i Davida teo amireo Isrealy. 12Nazaka nandrisy gny fito tao tagny Hebrona izy dra tagny Jerosalema nandrisy gny tolopolo tao. Dra nipetraky teo aseza fiandrianan'i Davida rany i Solomona, dra tafapetraky soa gny fitondrany.13Dra avy tagny amin'i Batseba renin'i Solomona i Adonia zanadahin'i Hagita. Hoy izy ho: "Avy ba hihava ra hanao?" Namaly izy ho: "Hihana." 14Dra hoy izy ho: "Misy raha ho zakako anao." Dra namaly izy ho: "Fatasao fa anahy gny fazaka, dra gny Israely dra fa nanatena anahy ho pazaka. Saiky niova gny raha aby, dra natolosy ho anigny rahalahiko gny fazaka, fa anazy boak'amin'i Yaveh zay.16Amizao dra mana fangataha raiky aminao zaho, dra ka lagny zaho." Hoy Batseba taminazy ho: "Zakao" 17Dra hoy izy: "Zakao re Solomona pazaka, fa sy hagnenga anao izy, ba hahafahany magnome anahy an'i Abisaga gny Sonemita ba ho valiko." 18Hoy i Batseba: "E dra, hizaka amigny pazaka zaho."19Noho izay dra nandeha tagny amin'i Solomona pazaka i Batsela ba hizaka aminazy ho an'i Adonia. Dra nisanga gny pazaka hihao taminazy dra niondriky teo aminazy. Boak'eo dra nipetraky teo amigny seza fiandrianany izy dra nana seza fiandriana nandesy ho anigny reninigny pazaka. Dra nipetraky boak'eo akavanany izy. 20Dra hoy izy ho: "Ba te-hanao fangataha kely aminao zaho, akory sy handa anahy hanao." Dra namaly anazy gny pazaka ho: "Angataho, ry reniko, fa sy handa gny Sonemita ba hatolosy an'i Adonia rahalahinao ho valiny.22Namaly i Solomona pazaka dra nizaka tamigny reniny ho: "Nagnino hanao gny mangataky an'i Abisaga Sonemita ho an'i Adonia? Nagnino hanao gny sy nangataky gny fazaka honazy avo koa, akory izy gny lahimatoa__honazy, ho an'i Abiatara pisoro, dra ho an'i Joaba zanadahin'i Zeroia ra?" 23Boak'eo dra niania tamin'i Yaveh i Solomona pazaka, nanao anizahoky ho: "Enga anie Zagnahary hanao anizay aminahy, dra bebe kokoa, raha sy nanohisy gny ainy tamizay zaka zay i Adonia.24Dra noho izay raha bo velo koa i Yaveh, ze nametraky anahy vo nanao anahy teo amigny seza fiandrianan'i Davida rako, dra fa namboasy tragno honahy araky gny napanatenany taminahy, dra azo atoky fa hovono i Adonia amizao." 25Dra nagniraky an'i Benaia zanak'i Joiada i Solomona pazaka, dra nahita an'i Adonia i Benaia dra namono anazy.26Boak'eo dra hoy Abiatara pisoro tamigny pazaka ho: "Mandehana agny Anatota, agny amireo sahonao. Fa mandriky gny ho maty hanao, saiky sy hagnenga anao ho maty amizao fotoa zao zaho, akory ninday gny fiaran'i Yaveh topo teo agnatrehan'i Davida rako hanao dra nizaly tamigny fomba aby nizalianigny rako." 27DRa naroson'i Solomona sy ho pisoron'i Yaveh i Abiatara, dra mety hagnatateraky reo zakan'i Yaveh izy, araky ze fa nizakany momba gny akohonan'i Ely tao Silo.28Avy tagny amin'i Joaba reo vaovao, fa Joaba nanohan'an'i Adonia, fa sy nanohan'an'i Absaloma. Dra nienga tagny amigny tragno lain'i Yaveh i Joaba dra nihazo gny tandroky gny alitara. 29Nizaka tamin'i Solomona pazaka fa i Joaba dra nienga tagny amigny tragno lain'i Yaveh dra eo agnilanigny alitara amizao. Boak'eo dra nagniraky an'i Benaia zanak'i Jehodia i Solomona, nanao anizahoky ho: "Mandehana, vonoy izy."30Dra avy tagny amigny tragno lain'i Yaveh i Benaia dra nizaka taminazy ho: "Hoy gny pazaka ho: 'Miboaha."' Namaly i Joaba ho: "Aha, ho maty eto zaho." Dra nihery tagny amigny pazaka i Benaia, nanao anizahoky ho: "Nizaka i Joaba fa te-ho maty ao amigny alitara noho izy." 31Dra hoy gny pazaka taminazy: "Atovy araky ze nizakany. Vonoy izy dra alevegno ba hafahanao miala aminahy vo amigny taranaky gny rako gny lio ze nalasak'i Joaba tamigny sy misy atony.32Enga anie i Yaveh hagnery gny liony ho eo an-dohany, akory nanafiky lelahy ro feno fahamarigna vo soa noho gny vatany izy dra namono anereo tamigny sabasy, dra i Abnera zanadahin'i Nera, filihanigny tafik'Israely, vo Amasa zanadahin'i Jetera, filihanigny tafik'i Joda, dra sy nahafatasy anizay i Davida rany. 33Ko enga anie gny lion'ereo hiherin'egny an-dohan'i Joaba vo egny an-dohan'ireo taranany mandrakizay. Fa amin'i Davida vo reo taranany, amigny fianakaviany, dra amigny seza fiandrianany, dra enga anie hisy fiadagna mandrakizay boak'amin'i Yaveh.34Boak'eo i Benaia zanak'i Jehodia niakasy dra nanafiky an'i Joaba dra namono anazy. DRa nalevy tagny amigny tragnony tagny agnefisy avo izy. 35Gny pazaka dra nametraky an'i Benaia zanak'i Joiada teo amigny tafiky hisolo gny toerany, dra nametraky an'i Zadoka pisoro tagny amigny toeran'i Abiatara.36Boak'eo gny pazaka dra nagniraky dra napitoka an'i Simey, dra nizaka taminazy ho: "Magnoregna tragno raiky agny Jerosalema hanao dra mitoboha agny, dra ka miboaky ao amize magnagny amigny toera-hafa. 37Fa amigny andro ze hiboahanao, vo handalovaoa egny amigny Lohasakan-driaky Kidrona, dra fataro mary fa ho vono vatany hanao. Ho eo amigny lohanao gny lionao." 38Dra hoy I Simey tamigny pazaka ho: "Soa zay zakanao zay. Araky ze nizakanigny pazaka topoko, dra hataonao panoponao." Dra nitoby tagny Jerosalema nandrisy gny andro maromaro i Simey.39Fa gny fa tapisy gny telo tao, dra nienga tagny amin'i Akisa zanak'i Maka pazakan'i Gata reo panopo ro an'i Simey. DRa nizaka tamin'i Simey ereo, nanao anizahoky ho: "Ingo, reo panoponao dra agny Gata." 40Dra nisanga i Simey, dra nagnisy lasely gny borikiny dra nandeha tagny amin'i Akisa tagny Gata ba hitalia reo panopony. Dra nandeha izy dra nandesiny nihery boak'agny Gata reo panopony.41Gny fa nizaka i Solomona fa i Simey dra nandeha boak'agny Jerosalema ho agny Gata dra fa nihery, 42dra nagniraky vo napitoka an'i Simey gny pazaka, dra nanao anizaohoky ho: "Sy fa napiania anao tamin'i Yaveh ra zaho dra nizoro vavolombelo taminao, nanao anizahoky ho: 'Fataro tateraky ze andro hiboahanao vo handehananao agny amigny toera-kafa, fa ho maty vatany hanao'? Boak'eo dra hoy hanao taminahy ho: 'Soa zay zakanao zay.'43Nagnino dra hanao gny sy mita gny fianiananao tamin'i Yaveh vo gny baiko ze nameko anao?" 44Hoy koa gny pazaka tamin'i Simey: "Fatasao ao aponao reo harasi-fagnahy aby ze nataonao tamin'i Davida rako. Noho izay dra hherin'i Yaveh eo agnobo lohanao gny harasi-fagnahinao.45Fa ho tahy i Solomona pazaka dra gny seza fiandriana'i Davida dra hipetraky eo agnatrehan'i Yaveh mandrakizay." 46Boak'eo gny pazaka nagnome baiko tamin'i Benaia zanadahin'i Joiada. Dra niboaky izy dra namono an'i Simey. dra napetraky soa teo agnatrehan'i Solomona gny findesa.
Chapter 3

1Nanao dina tamin'i Farao pazakanigny Egypta tamigny alalanigny fanambalia i Solomona. Nangalaky gny zanakapelan'i farao izy dra ninday anazy tao amigny tanan'i Davida mandra-pahavitany nagnory gny tragno manoka, gny tragnon'i Yaveh, dra gny manda magnodidin'an'i Jerosalema. 2Tegny amireo toera abo gny nanovan'ireo olo soro, akory bo sy nisy tragno niory ho anigny agnaran'i Yaveh. 3Nahare gny fitiavany an'i Yaveh i Solomona tamigny fandehana araky gny lalan'i Davida rany, hafa sy ze nanovany soro vo nagnoro liti-kazo magnisy tegny amireo toera abo izy.4Nagnagny Gibeona gny pazaka ba hanao soro tegny, akory toera abo lahibe zay. Nanolosy fagnatisy oroa arivo teo agnabonizay alitara zay i Solomona. 5Tao Gibeona dra niseho tamigny nofy tamin'i Solomona Yaveh nony hariva; hoy izy ho: "Angataho! Ino gny tokony hameko anao?"6Ko hoy i Solomona ho: "Hanao fa naneho sy fivadiha-pagneke lahibe tamigny panoponao, dra i Davida rako, akory nandeha teo agnatrehanao tamigny fahamendreha-pitokisa, tamigny fahamarigna, dra tamigny fahisi-po izy. Nihazogninao honazy ty sy fivaliha-pagneke lahibe ty dra namenao zanadahy hipetraky eo amigny seza fiandrianany izy amizao.7Amizao ry Yaveh Zagnahariko, fa nanao gny panoponao ho pazaka teo amigny toeran'i Davida rako Hanao, na dre bo zaza avo aza zaho. Dra sy fataso ho ino gny fomba hiboaha na hilira. 8Gny panoponao dra eo agnevon'ireo olo ze nisafidinao, vahoaky lahibe, maro sy vita isahy na sy voaisa. 9Ko ameo gny panoponao gny fahazava-po hisara gny olonao, ba hahafahako magnazava gny soa vo gny rasy. Fa iza moa gny mahay misara anizao vahoakao marobe izao?"10Nahafaly gny topo zay fangatahan'i Solomona zay. 11Dra hoy Zagnahary taminazy ho: "Akory fa nangataky anizay raha zay hanao dra sy nangataky ho anigny vatanao ba ho lava andro hiegna na harena na gny ain'ireo fahavalonao, fa nangataky fahazava-say ho anigny vatanao ba hamatara gny rariny. 12Ingo, amizao hataoko ze nangatahinao taminahy aby gny fa namenao Anahy gny fangatahanao. Omeko fo hendry vo mahay hanao, ba sy hisy hanahaky anao teo alohanao, dra sy hisy manahaky anao hisanga ao afaranao.13Fa nameko anao avo koa ze sy nangatahinao, dra gny harena vo gny voninahisy, ba sy hisy hanahaky anao eo amireo pazaka amigny andronao aby. 14Raha handeha araky gny lalako hanao dra hintandry reo lalako vo reo didiko, manahaky gny nandehananigny ranao, dra hagnalava gny andronao Zaho."15Dra nifoha i Solomana, dra ingo, nofo izay. Avy tao Jerosalema izy dra nisanga nanoloa gny fiaranigny fagnekenigny topo. Nagnatisy fagnatisy oroa vo fagnati-pihavana izy, dra nanao fanasa ho an'ireo panopony aby.16Dra nisy apela ro ze pivaro-tegna avy teo amigny pazaka dra nisanga teo agnatrehany. 17Hoy gny apela raiky igny ho: "O, ry topoko, izaho vo ty apela tihoky dra mindray tragno, dra niteraky zaza tao amigny tragno niarahako taminazy zaho.18Dra tamigny andro fahatelo tafaranigny niterahako dra niteraky koa ty apela raiky tihoky. Nindray zahay. Sy nisy olo hafa niaraky taminay tao atragno, fa izahay ro lahy avo. 19Boak'eo maty gny zanakigny apela raiky igny amigny hariva igny, akory voasindriny izy. 20Dra nisanga izy gny sasak'aly dra nangalaky gny zanadahiko boak'eo agnilako, dra napetrany teo atratrany, vo napetrany teo atratrako gny zanadahiny igny.21Gny fa nifoha hapinono gny zanako zaho gny maray, dra fa maty izy. Fa gny fa nagnety anazy soa zaho gny maray, dra sy zanako, dra sy gny zanako igny izy." 22Fa gny apela raiky igny nizaka ho: "Aha, gny raiky velo igny gny zanako, dra gny raiky maty igny zanakao." Gny apela volohany nizaka ho: "Aha, gny maty gny zanakao, dra gny velo zanako." Izay gny fomba nizakan'ereo teo agnatrehanigny pazaka."23Dra hoy gny pazaka ho: "Gny raiky tamindrareo mizaka ho: 'Ty velo tihoky gny zanako, dra gny maty gny zanakao,' dra gny raiky mizaka ho: 'Aha, gny maty gny zanakao, dra gny velo zanako."' 24Hoy gny pazaka ho: "Indeso sabasy zaho." Dra nandesin'ereo teo agnatrehanigny pazaka gny sabasy. 25Dra hoy gny pazaka ho: "Zarao ro gny zaza velo, dra ameo ty apela tihoky gny asasany dra ameo gny raiky koa gny asasany."26Dra gny apela ze velo-zanaky nizaka tamigny pazaka, fa feno fangoraha-po ho anigny zanany gny fony, dra hoy izy ho: "O, ry topoko, ameo anazy gny zaza velo, dra sy midika zay ho mamono anazy." Fa hoy gny apela raiky: "Sy honahy na honao akory izy. Zarao izy." 27Boak'eo namaly gny pazaka dra nizaka ho: "Ameo gny apela volohany gny zaza velo, dra sy midika izay ho mamono anazy. Fa izy gny reniny." 28Gny fa ren'Israely aby gny fisara ze nataonigny pazaka, dra natahosy gny pazaka ereo, akory hitan'ereo fa tao aminazy gny fahendren'Agnahary handesiny misara.
Chapter 4

1Pazaka teo amin'i Israely aby i Solomona pazaka. 2Tahoky reo mana-pahefany: Azaria zanak'i Zadoka gny pisoro. 3Elihorefa vo Ahia zanak'i Sisa, gny pita-sorasy. Josafata zanak'i Ahiloda gny pitam-boky. 4Benaia zanak'i Joiada gny nisaha gny tafiky. Zadoka vo Abiatara gny pisoro.5Azaria zanak'i Natana gny nifehy reo mana-paheha. Zaboda zanak'i Natana dra pisoro vo namanigny pazaka. 6Ahisara gny nifehy gny toka-tragno. Adonirama zanak'i Abda dra reo amireo olo ze gny nifehy reo panao asa a-terivozo.7Nana mana-pahefa ro ambiny folo i Solomona manera an'Israely aby, ze niatoky gny sakafo ho anigny pazaka vo gny akohonany. Gny lelahy vo gny akohonany. Gny lelahy sirairay aby dra niatoky gny tahiri-sakafo mandrisy gny volany raiky ao agnatinigny tao. 8Tahoky aby gny agnarany: 9Beni-hora, boak'agny atany havoan'Efraima; Beni-dakera tao Makaza, Salbima, Beti-semesy, vo Elon-betihanana; 10Beni-haseda, tao Arobota (Anazy i Soko vo gny tany aby tao Hefera);11Beni-Ahihadaba, teo amigny distrikan'i Dora aby (Tafata zanakapelan'i Solomona gny valiny); 12Bana zanak'i Ahiloda, tao Tanaka vo Megido, vo Beti-sana aby ze teo agnilan'i Zaretana ambanin'i Jezirela, boak'eo Beti-sana dra hatragny Abela-mehola lavisy gny rivon'i Jokneama Abela-mehola lavisy gny siok'i Jokneama; 13Beni-gabera tao Ramota-gileada (Anazy gny tagnan'i Jaira azak'i Manase, ze tao Gileada, dra gny faris'i Argoba dra anazy, ze tagny Basana, tana lahibe enipolo misy rindry vo hilim-batrangara varahy); 14Ahinadaba zanak'i Ido, tao Mahaniama;15Ahimaza, tao Naftaly (nivaliny avo koa i Basemata zanakapelan'i Solomona); 16Bana zanak'i Hosay, tao Asera vo Bealota; 17Josafata zanak'i Peroa, tao Isakara;18Simey zanak'i Ela, tao Benjamina; 19dra Gabera zanak'i Ory, agny amigny tanin'i Gileada, tanan'i Sihona pazakanigny Amorita vo Oga pazakan'i Basana, dra izy raiky gny mana-pahefa ze tao amigny tany.20Joda vo Israely dra maro manahaky gny fasy amoron-dranomasy. Nihina vo nino ereo dra faly. 21I Solomona dra nandidy gny fazakan'aby hatreo amigny Ony dra hatragny ataninigny Filistina vo gny sisi-tanin'i Egypta. Ninday fagnomezam-boninahisy vo nanopo an'i Solomona ereo nandrisy gny andro-piegnany aby. 22Gny tahirik-an'i Solomona agnatinigny andro raiky dra koba soa lisa telopo kora vo sakafo enipolo kora, 23agnomby matavy folo, agnomby sy nihina-bilo ropolo, dra agnondry zato, afa-sy gny serfa, gazela, kapreola, dra voro nihatavezy.24Akory nana-pahefa tamigny farisy aby magnila gny ony igny izy, boak'eo Tifsa dra hatragny Gaza, mihoasy reo pazaka aby ze nagnila gny Ony, dra nana fedagna tamigny fagnodidigna anazy aby izy. 25Niania apitonia i Joda vo Israely, gny olon'aby vo gny aviaviny, dra eo Dana hatragny Beri-sheba, tamigny andron'i Solomona aby.26Nana tragno sovala efasaly izy ho anigny kalesany, dra pitikisy sovala ro arivo vo ray aly. 27Reo manam-boninahisy reo dra niatoky sakafo ho an'i Solomona pazaka vo ho an'ireo ze avy teo amigny latabas'i Solomona aby, gny olon'aby tamigny volany avy. Dra sy nalevin'ereo ho sy apy gny raha aby. 28Ninday vary hordea vo mololo ho an'ireo sovala pitariky kalesa vo sovala fitikira ereo, samby minday ze aviny voak'agny sirairay.29Namen'Agnahary fahedrena vo fahazava-say be i Solomona, dra fivelara-say manahaky gny fasy egny amoron-dranomasy. 30Gny fahendren'i Solomona dra nihoasy gny fahendren'ireo olon'aby tagny asignana vo gny fahendren'i Egypta. 31Nana-pahendrena noho gny olon'aby izy_noho i Etana Ezrahita, Hemana, Kalkola vo Darda zanak'i Mahola_dra gny lazany dra avy tagny amigny firenena magnodidin'aby.32Nizaka ohabola telo arivo izy dra dimy arivo gny hirany raha hisahy. 33Namarisy gny raha magniry izy, boak'amigny sedara tagny Libanona dra hatramigny Hysopa ze magniry magnaraky gny rindry. Nagnazava momba reo didy avo koa izy, reo voro, reo raha mandaly, dra gny hazan-drano. 34Avy boak'amigny firenena aby gny olo ba hiteno gny fahendren'i Solomona. Ereo dra avy amireo pazaka aby ze tagny fa nahare gny fahendreny.
Chapter 5

1Hirama pazakan'i Tyro dra nandefa reo panopony ho agny amin'i Solomona akory reny fa voahosos'ereo handimby an-drany izy; akory Hirama dra fa tia an'i Davida avo hatramizay. 2Napinday zaka ho agny amin'i Hirama i Solomona, nizaka ho: 3"Fatasao fa i Davida rako dra sy afaky namboasy tragno ho anigny agnaran'i Yaveh Zagnahariny noho reo aly ze nagnodidignan'anazy, fa nandrisy gny andro-piegnany i Yaveh dra nametraky reo fahavalony teo ambany faladia-tombony.4Fa amizao, Yaveh Zagnaharinao dra fa nagnome anahy fisahara amigny lafiny aby. Sy misy na pifanandry na loza. 5Ko dra mikasa gny hagnory tepoly ho anigny agnaran'i Yaveh Zagnaharinao zaho, araky ze nizakan'i Yaveh tamin'i Davida rako, nanao anizahoky ho: "Gny zanadahinao, ze hapetrako eo amigny seza fiandriananao eo amigny toeranao, gny hananga gny tepoly ho anigny agnarako.'6Dra amizao mandidia ba hanapahan'ereo hazo Sedera boak'agny Libanona honahy. Hindray amireo panoponao reo panopoko, dra izaho gny handoaa gny karaman'ireo panoponao ba ho voakarama aran-drariny hanao gny amigny raha aby ze nekenao atao. Akory fatasao fa sy misy eo aminay mahay gny fomba anapaha hazo manahaky reo Sidoniana."
8Napanday zaka ho an'i Solomona i Hirama, nizaka ho: "Fa reko gny hafasy ze nalefanao honahy. Hamasy gny hazo Sedera vo kypreso aby ze irinao zaho.9Handesin'ireo panopoko mizoso boak'agny Libanona magnagny amigny ranomaso reo hazo, dra ho faheko agnaty vata-kazo reo dra hisikafo amigny ranomasy magnagny amigny toera ze tondronao handefasako anazy. Agny gny hapanapahako anereo, dra halanao reo. Hataonao ze iriko amigny fagnomeza sakafo gny akohonako."10Ko namen'i Hirama an'i Solomona gny hazo sedera vo gny hazo kesika aby ze niriny. 11Namen'i Solomona varimbazaha ro aly kora ho sakafo ho anigny akohonany i Hirama dra dililo sy mitapoky ropolo kora. Namen'i Solomona ho an'i Hirama isa-tao zay. 12Namen'i Yaveh fahedrena i Solomona, araky ze fa napanatenany anazy. Nisy fihavana teo amin'i Solomona vo Hirama, dra nanao fagnekena izy ro tota.13Napitoka panao asa aterivozo tamigny Israely aby i Solomona pazaka. Miisa telo aly reo lelahy panao asa aterivozo. 14Nalefany tagny Libanona ereo, raialy gny mifandimby isam-bola. Volany raily ereo gny tagny Libanona dra ro vola tagny atragno. I Adonirama gny nanapaky teo amireo lelahy ze napagneke ho amigny asa aterivozo.15Dra i Solomona nana pinday eta fito aly vo pamaky vato valo aly ze tagny a-tendrombohisy, 16akoasy reo 3. 300 lahibenigny mana-pahefan'i Solomona ze nanapaky gny asa dra ze nagnaramaso reo piasa.17Araky gny didinigny pazaka dra nandrafisy vato lahibe soa kalitao ba hapetraky amigny fagnoregna gny Tepoly ereo. 18Dra reo pagnori-tragnon'i Solomona vo reo pagnori-tragnon'i Hirama dra reo Gebalita gny nanao gny fikapa vo gny fikarakara gny hazo vo reo vato hamboara gny tepoly.
Chapter 6

1Ary i Solomona nanomboky nagnamboasy gny tepolin'ny Yaveh. Izao vo miseho tamigny taona faha 480 tambaliky nialany zanak'Israely tamigny tany Egyta, tamigny taona faha efasy vo nazaka teo amigny volana Ziva, izay volana faharoa.2Gny tempoly izay namboariny solomona pazaka ho any Yaveh dra enimpolo, roapolo hakiho gny sakany, vo telopolo hakiho gny hahavony.3Gny lavarangy eo anoloanigny efitragno lahibenigny tepoly dra ropolo hakiho gny halavany, mitovy amigny sakanigny tepoly, dra folo hakiho halavanigny eo anoloanigny tepoly. 4Reo vatrangnara kelinigny tragno dra nataony tery rafisy noho gny agnatiny gny ivelany.5Namboarany efisy gny magnodidy reo rindrinigny efitragno lahibe, magnodidy gny ivelany vo gny agnatinigny efisy. Nasiany efisy gny magnodidy reo sisiny aby. 6Gny ambany indridra dra dimy hakiho gny sakany, gny agnevony dra enina hakiho gny sakany, dra gny farany dra fito hakiho gny sakany. Fa gny ivelany dra nahenany gny rindry magnodidy gny tragno aby ba sy hisaraky amireo andry amigny rindrinigny tragno.7Vato voapaiky gny namboara gny tragno. Sy nisy tata, famaky, na vy maragnisy re tao atragno tamigny namboara anazy. 8Gny avy agny asimonigny tepoly dra nisy fidira tao amigny riha ambany, nisy tohasy raiky fekara magnagny amigny riha voalohany, dra boak'eo agnevony gny miakasy magnagny amigny riha faharo.9Dra namboarin'i Solomona gny tepoly dra nivitany zay; nirakofany Andry vo hazo sedera fisaka gny tragno. 10Namboariny teo andafin'ny efitragnon'ny tepoly reo efisy andagniny, dimy hakiho isaky gny andagniny; dra hazo sedera gny napifandray gny tragno vo gny hazo sedera.11Avy tamin'i Solomona gny zakan'i Yaveh, nanao ho: 12''Gny momba itiky tepoly zay namboarinao itiky, gny handeha araky gny lalako vo hanao gny ririny hanao, hitandry gny didiko aby dra hagnoriky zay, dra hamafisiko aminao gny fapanatena zay nataoko tamin'i Davida babanao. 13Hitoboky eo amigny vahoakin'Isrealy zaho dra sy hahafo anazy ereo.''14Dra namboarin'i Solomona gny tepoly dra nivitany zay. 15Avy eo dra namboariny tamin'ireo hazo sedera gny rindry tao agnatin'ny tragno. Hatramigny tany dra hatramigny valin-drihana, dra nirakofany hazo gny tao agnatin'ireo, dra hazo Kypreso gny nagnaromany gny ambany.16Nataony ropolo hakiho hatreo an-damosin'ny tragno misy hazo sedera hatragny ambany dra hatragny amigny valin-drihana. nataony ho efisy agnatiny izany efisy izany, ilay fipetrahany masy avo. 17Gny efitragno lahibe, izay toerana masy eo anoloany toera masy indrindra, dra efafopo hakihp gny halavany.18Nisy sedera tao agnatiny tragno, voasokisy voata vo vonikazo mibelasy.Sedera aby ao agnatiny.Sy nisy rafi-bato talaky tao agnatiny.19Nagnoma gny efitragno agnatiny tao agnatinigny tragno ba hametraha gny tobily faneken'i Yaveh tao i Solomona. 20Gny efitragnn agnatiny dra ropolo hakiho gny halavany, ropolo hakiho gny sakany, dra ropolo hakiho gny hahabony. Nifenon'i Solomona volamena sy misy fangarony reo rindry dra norakofany hazo sedera gny alitara.21Nifenon'i Solomona volamena sy miharo gny agnatiny tempoly dra nampiany ravam-bolamena teo anoloany efitragno agnatiny dra nifenony volamane gny anoloa.22Gny agnatiny aby dra nirakofany volamena mandra-pahavotany Tempoly aby.Nifenony volamena avo koa manera gny alitara ze ao amy efitragno agnatiny.23Nagnamboasy Kerovima ro tamy hazo oliva i Solomona, samy folo hakiho aby gny halavany, ho agny efisy agnatiny. 24Gny elany gny Kerobima raiky dra folo hakiho gny halavany , dra gny elany hafa dra dimy hakiho avo koa.Gny halaviny eo amy tendrony elasy hafa. 25Gny lohany elasy raiky ka hatramy tendrony elasy raiky dra mana elagnela folo hakiho . Gny Kerobima hafa dra mana elasy folo hakiho.26Gny Kerobima ro dra samy mitovy refy vo endriky. GNy hahabony Kerobima raiky dra folo hakiho dra manahaky zay koa gny Kerobima hafa.27Napetrak'i Solomona teo agnevony tragno gny Kerobima. Nabelany reo elasy gny Kerobina ba hikasihany elany gny raiky amy rindry raiky dra elasiny Kerobima hafa hikasiky gny rindry hafa.Nifampihasy teo agnevony toera masy indrindra gny elany reo. 28Nirakofan'i Solomona tamy volamena gny Kerobima.29Niravahany tamin'ereo sariny Kerobima reo rindry aby magnodidy gny tragno, hazon-drfia, dra vonikazo mamelana, gny ambaliky vo gny agnatin'ereo efisy.30Nirakofan'i Solomona tamy volamena gny gorodo, gny efisy ambaliky vo gny agnatiny.31Namboarin'i Solomona tamy hazony oliva reo vatrangara filira magnao amy efisy agnatiny.Gny tola vo gny leloam-batrangara dra ampahadimin'ereo farisy natao.32Dra nagnamboasy vatrangara ro tamy hazony oliva izy, dra nampiany sary sokisy gny Kerobima teo amin'izay, hazon-drofia, dra vonikazo mamogny.Nirakofany tamy volamena reo dra naparitany volamena teo amy Kerobima dra hazon-drofia.33Manahaky anizay koa, namboarin'i Solomona tamigny hazo oliva reo andriam-batrangara fidira ao atepoly ze mizara afasy 34dra gny vatrangara ro dra hazo kypreso. Reo kopaka ronigny vatrangara dra mivalo dra reo kapoky ronigny vatrangara hafa dra mivalo. 35Nasiany sary sokosy kerobima teo amin'ereo, hazon-drofia, dra vonikazo mivelasy, dra magnisy volamena eo amigny asa-sokosy matetiky izy.36Taliliny tamigny vato voapaiky andala telo gny kiaza tao agnatiny dra andry sedera raiky andala.37Gny fagnoregna gny tragnon'i Yaveh dra napetrany tamigny tao faha efasy, tamigny volanigny Ziva. 38Tamigny tao fahha raiky ambiny folo, tamigny volan'i Bola, ze vola fahavalo, dra vita tateraky tamigny lafiny aby vo gny famatara gny tragno aby. Nandany fito tao i Solomona namboasy gny tepoly.
Chapter 7

1Telo ambiny folo tao gny nanovan'i Solomonagny lapany.2Nagnory Lapa tamy Alany Libanona izy .Zato hakiho gny halavan'izay, dimapolo hakiho gny sakany, dra telopolo hakiho gny hahabony.Namboariny tamy andalan'andry sedera efasy gny laoa niaraky tamy andry sedera teo amin'ereo sangam-bato.3Nitafoa tamy sedera gny tragno ze napetraky teo amin'ereo andry . Reo andry reo dra nitohagna tamy sangam-bato.4Nisy andry dimy amby efapolo teo, dimy ambiny folo amy andala raiky. Nisy andry teo amin'ereo andala telo, dra gny vatrangarakely kirairaiky dra nifanandrify tamy vatrangarakely telo hafa.5Gny vatrangara vo gny vatrangarakely aby dra natao ho efa-joro niaraky tamin'ereo andry, dra gny vatrangarakely nifanandrify tamy vatrangarakely telo hafa.6Nisy andry maro nifanila zay dimapolo hakiho gny halavany dra telopolo hakiho gny sakany, miaray amy lavarangy eo anoloa vo gny andry dra tafo.7Nagnory gny rindriny seza fiandriana zay hisara anazy i Solomona , dra gny efitragnony fahamarigna. Nirakofany tamy sedera isaky gny rihana zay.8Gny tragnon'i Solomona zay nonenany, tao amy kiaza hafa misy gny tanin-dapa, dra nivolavolany mitovy. Nagnory tragno manahaky anizay ho agny zanakapelan'i Farao avo koa izy, zay nalany ho valy.9Reo tragno reo dra niravahany tamy avto lafo vily voapaiky, voarefy soa dra voatapaky tamy tsofa dra natao nalama tamy lafiny aby.Reo vato reo dra nampiasa ho amy fagnoregna reo vato eo an-tampony, vo tagny ambaliky ka hatramy kiaza lahibe avo koa.10Gny fotoa nahory tamy vato lahibe , vo lafo vily valo vo folo hakiho gny halavany.11Teo agnabony dra nisy vato lafo vily voapaiky zay voafarisy soa amy habeny, dra andry sedera.12Nisy andala vato voatapaky telo vo tapakyu andry sedera raiky gny kiaza lahibe ze nagnodidy gny lapa manahaky gny kiaza ao agnatiny tempolin'i Yaveh dra gny tempoliny lavarangy.13Nampangalaky an'i Hirama i Solomona pazaka dra ninday anazy laha tagny Tyro. 14Hirama dra zanaky gny mpinday vata raiky tao amy fokon'i Naftaly;olon'i Tyro gny rany, zay mpanao asa-tagna amy varahina. Feno fahendre vo fahazava-say dra fahaiza ba hanao asa lahibe amy varahaina i Harama . Nandeha nagnany amin'i Solomona pazaka izy ba hiasa amy varahina ho agny pazaka.15Namboasy reo andry ro tamy varahina i Hirama, valo ambiny folo hakiho gny hahabony dra ro ambiny folo hakiho gny magnodidy gny kirairaiky . 16Nanao kapitaly ro tamy varahina voakosoky izy ba hapetraky eo an-tampon'ereo andry. Dimy hakiho gny hahabony kapitaly kirairaiky. 17Makarakara mitarehin-dravaky ampiasa ho an'ereo kapitaly gny nandravaky gny tendron'ereo andry fito isaky gny kapitaly.18Ka nanao andala ampongamben-dagnisy ro nagnodidy gny tendrony andry kirairaiky i Hirama ba handravaha reo kapitalin'ereo.19Reo kapitaly teo an-tendron'ereo andriny lavarangy dra niravahany tamy lilia, efasy hakiho gny hahabony.20Tao amireo kapitaly tamireo andry ro reo koa dra nahita,apongabe-dagnisy rozato mitandahasy magnodidy gny topon'izy aby. 21Nananga reo andry tao an-davaranginigny tepoly izy. Gny andry teo akavana dra natao ho Jakina, dra gny andry teo akavia dra natao ho Boaza. 22Teo atendron'ireo andry dra nisy reo hengo manahaky gny lilia. Izay gny fomba nandrafeta reo andry.23Nanao gny koveta tamigny vy i Hirama, folo hakiho isaky gny sisiny. Dimy hakiho gny hahabony, dra telopolo hakiho gny magnodidy gny koveta. 24Nisy tagantagna-manga tao ambaninigny sisiny nagnodidy gny koveta, folo isaky gny hakiho, dra nayambany ho raiky niaraky tamigny koveta raha gny koveta mihisy gny natao.25Teo amireo agnomby ro ambiny folo gny koveta, telo nagnatriky gny avarasy, telo nagnatriky gny andrefa, telo nagnatriky gny asimo, dra telo nagnatriky gny asignana. Napeyraky teo amigny tapon'ireo gny koveta, dra nifagnila gny farisy gny volin'izy aby. 26Natevy manahaky gny sakanigny tagnany gny koveta, dra gny sisin'izay dra naory manahaky gny sisinigny finga, manahaky gny famoanigny lilia. Agnomby rano ro arivo bata gny koveta.27Nanao tomboky varahy folo i Hirama. Efasy hakiho gny halavanigny tomboky sirairay dra efasy hakiho gny velarany, dra telo hakiho gny hahabony. 28Manahaky anizay gny fagnavota reo tombony. 29Nisy takelaky teo agnelagnelan'ireo zana-kazo reo, dra nisy liona, agnomby vo kerobima teo amireo takelaky vo teo amireo zana-kazo. Teo agnabony vo tao ambanin'ireo liona vo reo agnomby dra nisy fehiloha voatefy soa.30Nisy kodia varahy efasy vo tagnakodia gny sanganany aby, dra nisy toha tao ambaninigny sisiny efasigny koveta. Nasiany fehiloha gny sisinigny aby reo fanohagna. 31Boribory manahaky gny faladia gny fisokafa, hakiho raiky vo sasany gny sakany, dra tao agnatinigny satroboninahisy hakiho raiky gny halavany. Voasorasy teo amigny fisikafany, dra gny takelak'ireo dra efa-zoro, fa sy boribory.32Tao ambaninigny takelaky reo kodia efasy, dra gny tagna-kodia vo reo pisenazy dra tao amigny sangana. Gny hahabonigny kodia raiky dra hakiho raiky sy sasany. 33Dra natao manahaky gny kodianigny kalesy reo kodia. Reo pisenazy, reo sisiny, reo tagnamasoandrony, vo reo ivony dra natao vy avokoa.34Nisy sorony efasy tamireo sisiny efasy gny sangananigny sirairay, natao tao amigny sangana avo. 35Teo atepon'ireo sangana dra nisy fehi-barika raiky ze asasaky hakiho gny halaliny, dra eo ataponigny sangana gny namotora reo toha vo reo takelaky.36Voasoras'i Hirama kerobima, liona, vo hazo rofia gny velaran'ireo fanohagna vo reo takelaky ze nandrakosy reo toera malalaky, dra voahodidy fehiloha reo. 37Izay gny fomba nanovany an'ireo sangana folo. Natao tamigny lasisy mitovy avokoa izy aby, dra nana habe, vo endriky mitovy.38Nanao koveta varahy folo i Hirama. Gny koveta raiky dra afaky mitahiry rano efapolo bata. Efasy hakiho gny sakanigny koveta sirairay aby dra nisy koveta raiky isaky gny sangana folo. 39Nanao sangana dimy teo amigny lafiny asimonigny tepoly izy dra dimy teo amigny lafiny avarasy gny tepoly. Nataony teo amigny sisiny asignana gny koveta, magnatriky agny asimonigny tepoly.40Nanao gny koveta vo gny lapely dra gny apendra famafaza i Hirama. Dra vitany gny asa aby ze nataony ho an'i Solomona pazaka tao atepolin'i Yaveh: 41reo andry ro, vo reo lovia manahaky reo kapitaly ze teo atepolin'ireo andry ro, dra reo hengon'arato ro makarakara ba hanarogna gny apondra ro manahaky reo kapitaly ze teo ataponigny reo andry.42Nanao reo apongaben-dagnisy efasy izy ho an'ireo hengon'arato ro voavitra: andalan'apongaben-dagnisy ro ho anigny harato sirairay ba hanarogna gny apondra ro manahaky reo kapitaly ze teo amireo andry, 43sangana folo, vo koveta folo teo amireo sangana.44Nataony tao ambaninizay gny koveta vo reo agnomby ro ambiny folo; 45reo tavy, reo lapely, reo koveta be, dra reo fitova hafa aby avo koa. Nataon'i Hirama tamigny varahy voakosoky reo, ho an'i Solomona pazaka, dra ho anigny tepolin'i Yaveh.46Napetraky gny mpazaka tegny amy tany lemak'i Jordana reo, tao amy tanimanga agnelagnelan'i Sokota vo Zaretana.47Sy nitarazon'i Solomona reo fanaky aby satria maro loasy raha hotarazony, satria sy afaky nitarazo gny lazany varahina.48Nanao gny fanaka aby ze tao an-tempolin'i Yaveh tamy volamena i Solomona:dra gny alitara volomena vo latabasy ze nametraha gny mofony fanatreha.49Reo fanova-ziro, dimy eo amy taliaviny ankavana dra dimy eo ankavia, teo alohany efisy agnatiny , dra vita tamy volamena malio, dra reo vonikazo , reo jiro, dra reo lelany dra vita tamy volamena malio.50Reo Kapoaky, reo asy, reo koveta, reo sotro, vo reo fagnoroa litin-kazo magnisy dra natao tamy volamena malio avo koa. Reo savilin'ereo vatrangara ao amy efisy agnatiny avo koa , zay toera masy indrindra, vo reo vatrangara gny efisy lahibeny tempoly, dra natao tamy volamena malio izy aby.51Tamin'izay fomba zay, gny nahavita reo asa aby ze nataon'i Solomona mpazaka ho agny tragnon'i Yaveh. Koa nandesin'i Solomona tao agnatiny reo raha natokan'i Davida , rany , vo reo volafosy, volamena, vo reo fanaky , dra napetrany tao ay efisy fagnaza tao amy tragnon'i Yaveh reo.
Chapter 8

1Dra Solomona namory reo loholon'Israely, reo pitariky gny foko aby, dra reo lohanigny fianakavianigny vahoakin'Israely, teo agnatrehany tao Jerosalema, ba hinday gny fiaranigny fagneken'i Yaveh hiakasy boak'agny amigny tanan'i Davida, izay ho, i Ziona. 2Nivory teo agnatrehan'i Solomona pazaka tao amigny lanona avokoa gny olon'Israely aby, tamigny vola Etanima, ze vola fahafito.3Avy avokoa reo loholon'Israely aby, dra napekarin'ireo pisoro gny fiara. |v 4Nandesin'ereo niakasy gny fiaran'i Yaveh, gny tragno lay fihogna, dra reo fanaky masin'aby ze tao agnaty lay. Nandesin'ireo pisoro vo reo Levita niakasy avokoa reo raha aby reo. 5Nindray nagneo anoloanigny fiara avokoa i Solomona pazaka vo gny findrognan'Israely aby, nanao soro agnondry vo agnomby sy vita isahy.6Napidirin'ireo pisoro teo amigny fitoerany gny fiaranigny fagneken'i Yaveh, tao amigny efisy agnatinigny tragno, dra tao amigny toera masy indrindra, ambany elas'ireo Kerobima. 7Fa namelasy gny elasy teo amigny fitoeranigny fiara reo Kerobima, dra nanaro gny fiara vo gny bao ze nilaza anazy zay. 8Lava vatany reo bao hany ka hita avy eo amigny fitoera masy teo anoloanigny efisy agnatiny gny tendrony, saiky sy hita boak'egny ivelany reo. Dra bo eo reo mandrak'amizao.9Sy nisy na ino na ino tao amigny fiara afa-sy reo vato pisaky ro ze napetrak'i Mosesy tagny Horeba, bo Yaveh nanao fagneke tamigny olon'Israely gny fa niboaky boak'agny amigny tany Egypta ereo. 10Dra gny fa niboaky boak'ao amigny fitoeramasy reo pisoro, dra nagnome gny tepolin'i Yaveh gny raho. 11Sy afa-nisanga hanopo reo pisoro nohonigny raho, fa nagnome gny tragnony gny voninahis'i Yaveh.12Dra hoy Solomona ho: "Nambaran'i Yaveh fa hony ao agnaty ezi-pito Izy, 13Kanefa nagnory tragno soa tarahy honao zaho, dra toera honegnanao mandrakizay."14Dra nitoliky gny pazaka dra niso-drano gny fivondrognan'i Israely aby, raha teo apisanganagny gny fivondronan'Isrealy aby. 15Hoy izy ho: "Ho deray anie Yaveh, gny Zagnaharin'Israely, ze nizaka tamin'i Davida rako, dra nahatateraky anizay tamigny tagnany avo, nanao anizahoky ho: 16"Hatramigny nindesako gny vahoakao boak'ao Egypta, dra sy nifily tana teo amigny fokon'Israely aby hagnoregna tragno zaho, ba hitoeranigny agnarako ao. Kanefa, nifily an'i Davida ba hanapaky eo amigny Israely oloko zaho.'17Dra tao apon'i Davida rako gny hagnory tragno ho anigny agnaran'i Yaveh, gny Zagnaharin'Israely. 18Fa hoy i Yaveh tamin'i Davida rako ho: 'Fa nataonao tao aponao gny hagnory tragno ho anigny agnarako, dra soa gny nanovanao anizay tao aponao. 19Na izay aza dra sy hagnory gny tragno hanao; fa koa zanadahinao, ze teraky boak'amigny voanao, gny hagnory gny tragno ho anigny agnarako.'20Nitaterahin'i Yaveh gny zaka ze nizakany, fa nisanga handimby gny toeran'i Davida rako zaho, dra mipetraky eo amigny seza fiandrianan'i Israely, araky gny napanatenan'i Yaveh. Naoriko ho anigny agnaran'i Yaveh, gny Zagnaharin'Israely gny tragno. 21Fa namboasy fitoera ho anigny fiara agny zaho, ze misy gny fagneken'i Yaveh, ze nataony tamireo razasika bo ninday anereo niboaky boa'ao amigny tany Egypta Izy."22Nizoro teo anoloanigny alitaran'i Yaveh i Solomona, teo agnatrehanigny fivondrognan'Israely aby, dra namelasy gny tagnany ho agny amigny lagnisy. 23Hoy izy ho: "Ry Yaveh, Zagnaharin'Israely o, sy misy Zagnahary manahaky Anao na agny amigny lagnisy agnabo na ety atany ambany, ze mita gny sy fivadiha-pagnekeny amireo panoponao ze mandeha eo agnatrehanao amigny fony manotolo; 24Hanao ze nita gny fapanatenanao tamin'i Davida rako panoponao. Eny, nizaka tamigny vavanao hanao dra nitaterahinao tamigny tagnanao zay, manahaky gny androany.25Amizao dra, ry Yaveh, Zagnaharin'Israely, tateraho ze napanatenanao tamin'i Davida rako panoponao, gny fa nizaka Hanao ho: 'Sy ho foa aminao gny hana olo hipetraky eo amigny seza fiandrian'Israely eo amasoko, raha mitandry gny handeha eo agnatrehako gny taranakao, manahaky gny nandehananao teo agnatrehako.' 26Amizao dra, ry Zagnaharin'Israely, mivavaky zaho ba ho tateraky gny fapanatena nataonao tamin'i Davida rako panoponao.27Fa tena mony etiho an-tany vatany se Zagnahary?Ingo, zao totolo zao vo gny lagnisy avo sy agn'omby anao-maiky fa itio tempoly ze naoriny itio!28Kanefa ba tenoy ra itio vavaky gny mpanomponao vo gny fangatahany itio, ry Yaveh Zagnaharinao; mitenoa gny tokany vo gny vavaky ataony mpanomponao eto anatrehanao amizao.29Enga anie ka hisokaky amamin'itio tempoly itio andro vo hariva gny masonao, eo amy toera ze nizakanao ho:''Ho ao gny agnarako vo gny fagnatrehako.'-ba hitenoa gny vavaky hataony mpanomponao ze magnatriky itio toera itio.30Koa mitenoa gny fangatahany mpanomponao vo gny Israely olonao fa gny mivavaky magnatriky itio toera itio zahay.Egny , mitenoa laha tagny amy toera honenanao, laha tagny an-dagnisy; dra fagny miteno anao, dra ba mamela.31Raha manota amy namany gny olo raiky ka sy maisy hampanoviny fianiana, dra raha avy ka manao fianiana eo anatrehany alitaranao ato amin'itio tragno itio izy,32dra mitenoa laha tagny an-dagnisy ka miasa;sarao reo mpanomponao, mba hagnahy gny ory dra hampanody ze nataony ho eo amy lohany avo, dra hagnambara gny mary ba ho sy mana-signy , vo hamaly soa anazy noho gny fahamarignany.33Fa gny resiny fahavalo gny Israely olonao satria nanota taminao, ka raha mihery aminao izy reo, magneky gny agnaranao, mivavaky, dra mangataky famela laha taminao ato amin'itio tempoly itio-34dra mitenoa agny an-dagnisy dra mamela gny fahotany Israely olonao;andeso mihery agny amy tany ze nomenao gny razany nereo.35Raha mihily gny lagnisy ka sy misy ora satria nanota taminao gny vahoaky-raha mivavaky magnatriky itio toera itio ereo, magneky itio toera itio ereo, magneky gny agnaranao, dra miala amy fahotany fa gny avy nampahorianao-36dra mitenoa agny an-dagnisy dra mamela gny fahotany mpanomponao vo gny Israely olonao, fa gny mampianasy anazy reo gny lala soa ze tokony handehanany ianao.Mandasaha ora eo amy taninao, zay nomenao ho lovany olonao.37Raha atao ho misy mosary eo amy tany, na atao ho misy areti-mamono , fahamaignany vary na maty fosy, valala na sompanga ;na atao ho misy fahavalo manafiky gny fefiny gny tana ao amy tanin'ereo, na misy loza na areti-38dra raha atao draiky ho misy vavaky vo fangataha nataony olo raiky na gny Israely vahoakinao aby-zay samy mahalala gny loza agny am-pony aby raha mamelasy gny tagnany ho amin'itio tempony itio izy.39Dra nitenoa agny an-dagnisy , gny toera honenanao, mamela dra miasa, dra valio soa gny olo aby noho zay ataony;Ianao mahalala gny fony , fa Ianao dra Ianao avo gny mahalala gny fony olombelo aby.40Atovy anizay ba hahatahoran'ereo anao amy andro aby hiaignan'ereo eo amy tany ze nomenao gny razanay.41Fagnapin'izay, mahakasiky reo vahiny ze sy agnisanigny Israely vahoakao: raha avy boak'agny amigny firenen-davisy izy nohonigny Agnaranao__42fa hahare momba gny agnaranao lahibe, gny tagnanao mahery, dra gny sandrinao misandrasy ereo__gny fa avy vo mivavaky magnatriky ty tepoly tihoky ereo, 43dra mitenoa re agny an-dagnisy, ze toera hisy anao, dra atovy ze angatahinigny vahiny aminao aby. Atovy zay ba hahafataranigny vondron'olon'aby eto atany gny agnaranao dra hatahoran'ereo Anao, araky gny ataon'Israely olonao manoka. Atovy zay ba hahafataran'ereo fa ty tragno ze naoriko tihoky dra atao amigny agnaranao.44Raha atao ho mandeha miboaky hialy amigny fahavalo gny olonao, na ino na ino fomba nandefasanao anereo, dra raha mivavaky aminao, Yaveh, magnatriky gny tana ze voafilinao ereo, dra magnatriky gny tragno ze naoriko ho anigny agnaranao. 45Dra mitenoa gny vavaky vo gny fangatahan'ereo agny an-dagnisy, dra ameo rariny izy.46Raha atao ho manota aminao ereo, akory sy misy olo sy manota, dra raha atao ho ory amin'ereo hanao dra manolosy anereo ho eo amigny fahavalo, dra alanigny fahavalo ho babo ho agny amigny taniny ereo, na lavisy na mariny. 47Dra raha atao ho saroan'ereo fa agny amigny tany ze nanova sesi-tany anerei ereo dra mitalia akory aminao agny amigny tanin'ireo nambambo anereo. Raha mizaka ereo ho: 'Nanao raha sy maty zahay dra nanota. Rasy fitondra-tegna zahay.'48Dra miherin'aminao amigny fony manotolo vo gny fagnahiny manotolo agny amigny tanin'ireo fahavalony ze nambabo anazy ereo, dra raha atao ho mivavaky aminao manandrify gny taniny, ze namenao gny razan'ereo, dra manandrify gny tana ze nifilinao ereo, dra manandrify gny tragno ze naoriky ho anigny agnaranao.49Dra mitenoa gny vavak'ereo vo gny fangatahan'ereo famozena, agny an-dagnisy, ze toera honegnanao, dra hagnamary gny raharaha hoanereo hanao. 50Mamela gny olonao, ze nanota taminao, vo gny fahotany aby ze nandikany gny didinao. Mihasy anereo manoloa gny fahavalony ze nindesa anazy ho babo, ba hiatranigny fahavalon'ereo gny vahoakao avo koa.51Vahoakao ze nifilinao ereo, ze navotanao boak'agny Egpta manahaky gny avy tao amigny fatana fandrendreha-by. 52Mivavaky zaho ba hisokaky amigny fangatahinigny panoponao vo gny fangatahanigny Israely olonao gny masonao, ba hiteno anereo na ombia na ombia hitokavany Anao. 53Fa navahanao teo amireo vahoakigny tany aby ereo ba ho Anao dra hitakasy reo fapanatenanao, araky gny nazavainao tamigny alala'i Mosesy panoponao, fony ninday gny razanayu niboaky an'i Egypta hanao, ry Topo Yaveh."54Ko gny fa avy nanao anizay vavaky vo fangatahan'aby zay tamin'i Yaveh i Solomona, dra nisanga boak'eo anoloanigny alitaran'i Yaveh izy, gny fa avy nandohaliky vo namelasy gny tagnany nagnatriky gny lagnisy. 55Nisanga izy dra niso-drano gny fivondrognan'Israely aby tamigny feo fatrasy, nanao anizahoky ho: 56"Dera anie Yaveh, gny nagnome fisahara ho an'Israely olony, tamigny fitanany gny fapanatenany aby. Sy nisy zaka lasaky boak'amigny fapanatena soan'i Yaveh ze nataony tamin'i Mosesy Panopony.57Homba asika anie Yaveh zagnaharisika, manahaky gny nombany an'ireo razasika. 58Sy hagnenga asika anie Izy na hahafo asika, ba hapitongilagniny ho Aminazy gny fosika, ba hiay amigny lalany aby vo hitandry reo didy aman-dalany dra reo fisipiky, ze nandidiany an'ireo razasika.59Aoky reo zaka ze nambarako, ze nangatahiko teo agnatrehan'i Yaveh, ho agnilan'i Yaveh zagnaharisika andro aman'aly, ba hagnomezany rariny gny panopony vo gny Israely olony, araky ze teliaviny isan'andro; 60ba ho fatasy gny firenena aby eto atany fa i Yaveh, gny Zagnahary, dra sy misy zagnahary hafa! 61Ko aoky ho mary amin'i Yaveh zagnaharisika gny fondrareo, ba handeha eo amigny lalany dra hitandry reo didiny, manahaky gny amizao."62Ko dra nanolosy soro ho an'i Yaveh gny pazaka vo reo Israely aby niaraky taminazy. 63Nanolosy soro fagnati-pihavana i Solomona, ze nataony ho an'i Yaveh: Agnomby ro arivo sy roaly dra agnondry 120. 000. Ko dra notokananigny pazaka vo reo vahoakin'Israely aby gny tragnon'i Yaveh.64Gny andron'io avo dra natokanigny pazaka gny agnevonigny kiaza teo anoloanigny tepolin'i Yaveh, fa teo gny nanolorany gny fagnatisy oroa, gny nfagnatisy vary, dra gny tavinigny fagnati-pihavana gny fagnatisy kely loasy raha handresany gny fagnatisy oroa, gny fagnatisy hohany, dra gny tavin'ireo fagnati-pihavana gny alitara varahy ze teo agnatrehan'i Yaveh.65Ko nataon'i Solomona, mbamireo Israely aby niaraky taminazy, ze fivondrognam-be, hatragny Lebo-hamata dra hatragny amigny lohasakan-driakin'i Egypta, teo agnatrehan'i Yaveh zagnaharisika nandrisy gny fito andro dra nandrisy gny fito andro dra nandrisy gny fito andro hafa koa, ze mira efasy ambiny folo andro gny lonogna tamizay fotoa zay. 66Dra tamigny andro fahavalo dra napoly reo vahoaky izy, dra niso-drano gny pazaka ereo dra noly tagny atragnony tamigny fo ravoravo vo falifaly nohonigny amigny fahasoavan'aby nasehon'i Yaveh tamin'i Davida panopony, dra tamin'Israely olony.
Chapter 9

1Fa gny vitan'i Solomona gny famangana gny tragnon'i Yaveh vo gny laoany pazaka, dra fa gny nahatateraky anizay aby niriny ho vita izy,2dra niseho fagnindroany tamin'i Solomona i Yaveh, manahaky gny nisehoany taminazy tao Gibeona.3Dra hoy Yaveh taminazy ho:''Fa reko gny vavakinao vo gny fangatahanao zay nataonao teo anatrehako.Fa nataoko ho anahy, itio tragno ze nasanganao itio, ba hametrahako gny agnarako ho ao mandrakizay. Gny masoko vo gny foko dra ho eo avo amy fotoa aby.4Dra ianao, raha handeha eo anatrehako manahaky gny nandehan'i Davida ranao tamy fahisim-po vo tamy fahamarigna, hankato ze nandidiako anao aby, dra hitandry reo lalako vo reo didiko , 5dra hametraky gny sezany fiandriana gny fazakanao eo amy Israely mandrakizay zaho, manahaky gny nampanatenako tamin'i Davida ranao, ho:'Gny taranakao dra sy hiala eo amy seza fiandrian'Israely mihisy.'6Fa raha mivily ianao , na reo zanakao, ka sy mitandry reo didiko vo reo lalako zay napetrako eo anatrehanao, dra raha mandeha ka manompo Zagnahari-kafa dra miankohoky eo amin'ereo ianao,7dra ho alako amy tany ze nomeko anazy reo Israely;dra itio tragno ze fa natokako ho agny agnarako itio, dra ho alako sy ho hiyany masoko, dra Israely dra ho avy manahaky gny raha faneso vo hihomeheza eo amin'ereo vahoaky iaby.8Ho rava ho antotam-bato itio tempoly itio, dra zay aby miriosy eo amin'izay dra ho latsa (gaga) ka hisiosioky.Hagnontany ereo ho:'Nanao akory i Yaveh gny nanao zao tamin'itio tany vo tragno itio?'9Gny hafa hamaly ho:'Satria nahafo an'i Yaveh Zagnahariny nereo, zay ninday gny razam-ben'ereo niboaky gny tany Egypta, dra nipitiky tamin'ereo zagnahari-kafa ka niankoholy dra nanompo anazy reo. Zay gny antony nindesan'i Yaveh zay loza aby zay tamin'ereo.'''10Fa gny tapisy gny ropolo tao ze nahavitan'i Solomona gny fanagnana reo tragno lahibe ro, gny tempolin'i Yaveh vo gny lapany pazaka.11Dra Hirama pazakan'i TYra, dra namaha hazo sedera vo Kypreso, dra volamena an'i Solomona zay aby nirin'i Solomona ka dra nomen'i Solomona Pazaka tana ropolo tao amy tanin'i Galilia i Hirama.12Nivbiaky laha tao Tyro i Hirama ba hagnety reo tana ze nomen'i Solomona anazy, Kanefa sy nahafaly anazy zay. 13Dra hoy i Hirama:''Fa tana ino tahoky omenao anahy tahoky, ry ralahiko?''Nitokavin'i Hirama ho Tany kobola reo, zay bo hitokava anazy reo hatragny mandraky androany.14Nampagnatisy taleta volamena 120 ho agny pazaka i Hirama.15Zao magnaraky zao gny antony fitakia amy asa ze napetrak'i Solomona Pazaka:ba hananga gny tempolin'i Yaveh vo gny lapany, ba hananga an'i Milo vo gny rindrin'i Jerosalema, dra gny ba hananga gny manda fiarovan'i Hazora, Megido, dra Gazera.16Niakasy dra nangalaky an'i Gazera i Farao Pazakan'i Egypta. Nohoroany zay dra novonony reo Kananita tao an-tagnany. Dra nomen'i Farao agny zanakapelany, valin'i Solomona, ho fagnomeza ho agny fampiakam-baly gny tana.17Ka dra naherin'i Solomona nasangan'i Gazera vo Beti-horona Ambay, 18Beleta vo Tadmora agny an'esisy agny amy tany Joda, 19vo reo tana fagnaza aby ze nanagnany , vo reo tanan'ereo kalesiny dra reo tanany mpitikisy sovalany, dra zay aby niriny ho asanga ho fahafinaretany tao Jerosalema, tao Libanona, dra tamy tany aby eo ambaniny fifehezany.20Dra reo vahoaky sisa tavela tamin'ereo Amorita, Hitita, Perizita, Hivita, dra Jebositam zay sy vahoaky Israely, 21reo taranak'ereo ze tavela niaraky tamin'ereo tao amy tany, zay sy vitany olon'Israely gny nadrava anazy tateraky nataon'i Solomona mpiasa an-terivozo ereo, mandrak'[androany.22Na dra zay avo, dra sy nataon'i Solomona mpiasa an-terivozo reo vahoakin'Israely . Fa koa, nandeha miaramilany vo mpanompony, manam-pahefany, vo manam-boninahisy dra mpifehy reo kalesiny dra mpitikisy sovala nereo.23Tahoky avo koa reo lahibeny manam-pahefany misahana reo mpagnara-maso zay teo amy asan'i Solomona, 550 tamin'ereo, zay nagnara-maso gny vahoaky ze niasa.24Nifindra laha tao amy tanan'i Davida ba ho agny amy tragno ze nasangan'i Solomona ho anazy gny zanakapelan'i Farao. Tatio afara, dra nananga an'i Miloo i Solomona.25Manolosy fagnatisy oroa vo fagnati-pihavana in-telo isan-tao eo agnabony alitara ze naoriny ho an'i Yaveh i solomona, magnoro litin-kazo magnisy miaraky amin'ereo eo agnabony alitara ze eo anatrehan'i Yaveh. Ka vitany tempoly dra ampiasany zay amizao.26Nagnamboasy andia-sambo tao Ezion-gebera i Solomona Pazaka, zay mariny Elota, teo amorony Ranomasy Mena ,tao amy tany Edoma. 27Nandefa mpanompo ho agny andia-sambon'i Solomona i Hirama, tasambo zay nahay gny ranomasy , niaraky tamin'ereo mpanompon'i Solomona. 28Nandefa tagny Ofira niaraky tain'ereo mpanompon'i Solomona ereo. Laha tagny gny nindesan'ereo taleta volamena 420 an'i Solomona Pazaka.
Chapter 10

1Fa gny nahare gny lazan'i Solomona momba gny agnaran'i Yaveh gny mpazakan'i Sheba, dra avy hisapa anazy amy fagnontania saroay izy.2Avy laha tagny Jerosalema niaraky taminahy Rodobe lava dra lava, nisy rameva ninday raha-magnizy , volamena be, dra vato sarobily maro izy.Raha avy izy, dra nambarany tamin'i Solomona avo koa ze tao am-pony aby.3Nivalian'i Solomona gny fagnontaniany aby.Sy nisy sy voavakiny pazaka gny fagnontaniany.4Fa gny nahita gny fahendren'i Solomona aby gny Pazakavavin'i Sheba, gny lapa ze naoriny, 5gny sakafo teo an-databany, gny sezany mpanompony, gny asan'ereo mpanompony vo gny fiakazoan'ereo, dra gny mpinday gny kapoakiny avo koa , vi gny fomba nanolorany fagnatisy oroa tao an-tragnon'i Yaveh, dra talazo vatany izy.6Hoy izy tamy Pazaka:''Mary vatany, gny tatisy ze reko tany amy taniko momba gny zakanao vo gny fahendrenao.7Sy nino zaho raha sy avy tetio, dra nahita maso zay zaho amizao.Sy ampy asasany amy fahendrena vo harenanao gny voatatara taminahy!Nihoasy ze reko gny lazanao.8Sambasy erio reo valinao , dra sambasy avo ko reo mpanomponao ze mizano manoloa anao avo, satria manare gny fahendrenao ereo.9Hoderay se i Yaveh Zagnaharinao, zay mahita sitraky aminao, vo nametraky anao teo amy seza fiandrianan'i Israely.Satria tian'i Yaveh mandrakizay Israely, nataony Pazaka ianao, ba hanovanao gny rariny vo gny fahamarigna!''10Nomeny taleta volamena 120 dra raha-magnisy maro vo vato sarobily gny Pazaka.Sy nisy nagnome raha-magnisy maro manahaky reo ze nomen'i Pazakavavin'i Sheba an'i Solomona Pazaka sasy.11Dra gny andia-sambon'i Hirama, ze ninday volamena laha tagny Ofira, ninady hazo almoga vo vato sarobily maro avo koa.12Nataony Pazaka sangam-bato ho agny tragnon'i Yaveh vo gny lapany Pazaka , dra lokanga vo valiha ho an'ereo mpihira gny hazo almonga.Sy nisy hazo almoga maro manahaky zay avy na hita koa mandrak'androany.13Nomen'i Solomona zay aby niriny gny Pazakavavin'i Sheba, na ino na ino nangatahiny, miampy an'izay fagnomezan'i Solomona anazy amy fagnomen'i Pazaka.Ka dra nihery tamy taniny niaraky tamin'ereo mpanompony .14Dra gny volamena avy tao amin'i Solomona tao agnatiny heritao dra taleta volamena milaza 666,15afa-sy gny volamena nandesin'ereo mpanakalo vo mpivarosy.Reo mpazaka aby tagny Arabia vo reo governora tao amy firenena avo koa dra ninday volamena vo volafosy tagny amin'i Solomona.16Nanao ampinga lahibe ro-zato vita tamy volamena voatefy i Solomona Pazaka . Sekely volamena enizato gny nanovany gny raiky tamin'izay.17Nanao ampinga telo-zato vita tamy volamena voatefy avo koa izy.Ka volamena telo mane gny nanovany gny raiky tamy ampinga;napetraky gny Pazaka tao amy lapany Alan'i Libanonana ereo.18Dra nanao seza fiandriana agnevo lahibe gny Pazaka dra nifognosiny tamy volamena faran'izay matify zay.19Nisy atagnan-tohasy enina nagneo amy seza fiandriana, dra boribory gny fiakinany .Nisy fametrahan-tagna isaky gny sisiny seza, dra liona ro misanga mariny eo. 20Liona ro ambiny folo gny nisanga teo amin'ereo atagnan-tohasy enina.Sy nisy seza fiandriana manahaky anizay teo amy firenena hafa aby.21Gny kapoaky finoman'i Solomona Pazaka aby dra vita tamy volamena avo koa , dra gny koky finoma tao amy Lapany alan'i Libanona dra vita tamy volamena sy misy fangarony avo koa. Sy nisy volafosy reo, satria sy nirambesiny ho sarobily zay tamy andron'i Solomona . 22Nana andia-sambo mpitety ranomasy gny Pazaka, niaraky tamy andia-sambon'i Hirama.Draiy mandeha agnatiny telo tao ivory reo adia-sambo, dra razako vo gidro avo koa.23Nihoasy tamy fanagnan-karena vo tamy fahendre noho gny an'ereo Pazaka aby teto an-tany gny an'i Solomona Pazaka.24Nitalia gny hifagnatriky tamin'i Solomona gny tany raiky manotolo ba hahare gny fahendreny, zay napetrak'Agnahary tao am-pony.25Ninday fagnomeza reo ze namangy, fanaky volafosy vo volamena , dra akazo ,akazo fiarova , dra raha-magnisy, sovala vo ampondra avo koa, isa-tao isa-tao.26Nagnoro kalesa vo mpitikisy sovala i Solomona . Nana kalesa 1. 400 vo pitikisy sovala ro arivo vo ray aly izy zay nazanony tao amy tana fipetrarany kalesa vo niaraky taminazy tagny Jerosalema.27Nana volafosy tao Jerosalema gny mpazaka , maro manahaky vato teo amy tany zay. Nataony maro manahaky gny hazo aviavy tegny amy tany lemaky gny hazo sedera.28Nana sovala ze niviliny tagny Egypta vo Silisia i Solomona. Niviliny mpivarosy gny Pazaka isan'andiany ereo, dra samy nana gny viliny aby gny andiany raiky.29Gny kalesy dra tany ambalikin'i Egypta gny niviliny dra sekely voladosy eni-zato gny raiky, dra sovala 150 sekely gny raiky.Maro tamin'ereo gny naviliny tamy Pazakan'i Hetita vo gny Pazakany Syriana aby.
Chapter 11

1Dra i Solomona Pazaka dra nitia ampela vahiny maro:gny zanakapelan'i Farao vo reo ampelan'i Moabita, Amonita , Edomita, Sidoniana, dra reo Hetita-2reo firenena voakasin'izay nizakan'i Yaveh tamin'ereo vahoakin'i Israely ho:''Sy handeha eo amin'ereo ianao ba hanambaly, na ereo ho eo aminao, satria ereo dra hampitoliky gny fonao amin'ereo zagnaharin'ereo vatany.''Kanefa i Solomona tia an'ereo ampela reo.3Nana valy andrimbavy fito-zato vo vadisindrano telozato i Solomona. Nampitoliky gny fony reo ampela reo. 4Fa gny niha-atisy i Solomona , dra nampitoliky gny fony tamin'ereo zagnahari-kafa reo valiny;fa sy tena nanakim-po tateraky tamin'i Yaveh Zagnahariny,manahaky gny fon'i Davida rany.5Fa i Solomona dra nagnaraky an'i Astarta, gny zagnahari-ampelan'ereo Sidoniana, dra nagnraky an'i Milkoma izy, gny sampy vetabetan'ereo Amonita .6Nanao ze rasy teo amason'i Yaveh i Solomona ;sy nagnaraky tateraky an'i Yaveh izy , manahaky nataon'i Daviga rany.7Dra nananga toera abo ho an'i Kemosy i Solomona, gny sapy vetavetan'i Moaba, teo amy havoany asignanan'i Jerosalema , dra ho an'i Moloko avo koa, gny sapy vetavetany vahoakin'i amona.8Nananga toera abo avo koa izy ho an'ereo ampela vahininy aby, zay nagnoro litn-kazo mganisy vo nanao soro ho an'ereo zagnaharin'ereo tamin'ireo.9Ory tamin'i Solomona i Yaveh , noho gny niviliny fony niala taminazy, gny Zagnaharin'Israely m na dra niseho indro taminazy avo Izy 10dra nandidy anazy momba io raha io mihisy, fa sy tokony hagnaraky reo zagnahari-hafa izy. Fa i Solomona dra sy mankato ze didin'i Yaveh.11Noho zay dra hoy i Yaveh tamin'i Solomona :''Satria nanao anizay ianao dra sy nita gny fanekam-pihavana vo reo lalako ze nandidiako anao, dra ho alako aminao vatany gny fazaka dra homeko gny mpanomponao.12Kanefa , noho gny amin'i Davida ranao, dra sy hanao anizay amy androm-piaignanao aby zaho, fa hangalaky anizay amy tagnany zanakao. 13Sy bo hangalaky gny fazaka aby aminao zaho;fa hagnome foko raiky ho agny zanakao noho amin'i Davida , vo nohony amin'i Jerosalema, zay nifiliko.''14Dra nananga fahavalo raiky ho an'i Solomona i Yaveh, dra i Hadada gny Edomita. Laha tamy fianakavian'andrian'i Edoma izy.15Fa gny tao Edoma i Davida , dra niakasy ba handevy gny maty i Joaba gny lahibeny tafiky, gny olo-iaby ze voavono tao Edoma.16Nitoesy tao nandrisy gny anim-bola i Joaba vo Israely aby mandra-pahamaty gny lelahy aby tao Edoma.17Fa i Hadada dra nalan'ereo mpanompony rany tao Egypta niaraky tamin'ereo Edomita hafa, satria i Hadada dra bo zaza masaiky.18Niala tao Midiana ereo dra avy tao Parana, zay nangalan'ereo olo miaray aminazy ho agny Egypta, ho agny amin'i Farao Pazakan'i Egypta, zay nagnome tragno vo tany dra sakafo ho anazy. 19Nahita sitraky lahibe teo amason'i Farao i Hadada, ka nomen'i Farao valy izy , dra gny rahavavim-baliny, gny rahavavin'i Tapanesa Pazakavavy.20Niteraky zanadahy tamin'i Hadada gny rahavavin'i Tapanesa. Nomen'iero gny agnara ho Genobata izy. Nisangan'i Tapanesa tao amy lapan'i Farao izy. Ka nipetraky tao amy lapan'i Farao teo amin'erero zanak'i Farao i Genobata.21Raha bo tao Egypta izy, dra nahare i Hadada fa nimaty agny amin'ereo razany i Davida dra i Joaba gny kapitaniny miaramila dra maty,hoy i Hadada tamin'i Farao:''Angao zaho handeha , ba ho afaky ho agny amy fireneko.''22Dra hoy i Farao taminazy:''Fa ino gny sy apy anao eto aminahy , gny mitalia ho agny amy firenenao ianao amizao?''Dra namaly i Hadada ho:''Sy misy . Ba angao handeha ra zaho.'''23Nanangam-pahavalo hafa an'i Solomona avo kkoa Zagnahary, dra i Rezona zanak'i Eliada, zay nilomay an'i Hadadezera Pazakan'i Zoba tompony . 24Nagnoro olo ho anazy i Rezona ka lasa kapiteny masaiky izy, fa gny nandresy gny olon'i Zoba i Davida . Reo lelahin'i Rezona dra nagnany Damaskosy dra nipetraky tagny, ka nifehezin'i Rezona i Damaskosy.25Fahavalon'i Israely izy nandrisy gny andron'i Solomona aby, niaraky tamy koronta zay nataon'i Hadada. sy tia an'i Israely i Rezona dra nazaka teo amin'i Arama.26Dra i Jeroboama zanak'i Nebata, Efraimita laha tagny Zereda, manam-pahefan'i Solomona , zay Zeroa gny agnaran-dreniny, mpinday vata raiky, dra nananga gny tagnany tamy Pazaka avo koa. 27Gny antony nananganany tagna tamy Pazaka dra satrai nagnory toera tao Milo vo nanapy gny lavaky tamy rindry tanan;i Davida rany i Solomona.28Jeroboama dra lelahy raiky mahery. Hitan'i Solomona fa zatovolahy miasa izy , ka nomeny alala nibaiko reo asaaby tao amy tragnon'i Josefa.29Tamin'izay fotoa zay, fa gny niboaky an'i Jerosalema i Jeroboama , dra nahita anazy tegny amy lalany i Ahia Silonita mpaminanyDra niakazo vaovao i Ahia dra izy rolahy dra raiky tao an-tanimbony .30Dra nangalaky gny akazo vaovao ze tegny aminazy i Ahia ka nizarazara anizay ho ro ambinifolo.31Hoy izy tamin'i Jeroboama:''Mangalaky tapatapany folo, fa i Yaveh , gny Zagnaharin'i Israely, nizaka ho:''Ingo , hangalaky gny fazaka eo amy tanan'i Solomona zaho ka hagnome foko folo ho anao 32(fa i Solomona dra hana foko raiky, noho amin'i Davida vo noho amin'i Jerosalema gny tana ze nifiliko tamin'ireo fokon'i Israely aby),33Satria nahafo anahy ereo dra nanompo an'i Astarta gny zagnahari-bavin'ereo Sidoniana, Kemosy gny zagnaharin'i Moaba , dra Moloka gny zagnahariny gny vahoakin'i Amona. Sy nandeha tamy lalako ereo, ba hanao ze mary eo amazoko, vo hitandry reo lalako vo reo didiko, manahky gny nataon'i Davida rany.34Kanefa , sy hangalaky gny fazaka raiky manotolo amy tanan'i Solomona zaho . Fa koa, nanao anazy hoi mpanapaky amy andro aby hiaignany, noho amin'i Davida mpanompoko ze nifiliko, gny raiky ze nitandry reo didiko vo reo lalako.35Fa hangalaky gny fazaka eo an-tagnany zanany zaho ka hagnome anizay anao, dra reo foko folo. 36Hagnome foko raiky ho agny zanak'i Solomona zaho , ba hana fanilo mandrakariva eo anatrehako ao Jerosalema i Davida mpanompoko, tana ze nifiliko ba hasiany gny agnarako.37Hangalaky anao zaho , ka hanapaky ianao ba hagnatateraky anizay aby irinao, dra ho pazaka eo amin'Israely ianao.38Raha miteno anizay hadidiko anao, dra araha mandeha amin'ireo lalako vo manao ze mary eo amasoko, ma hitandry reo lalako vo reo didiko , manahaky gny nataon'i Davida mpanompoko, dra hiaraky aminao zaho dra hananga tragno azo antoky ho anao, manahaky gny nananganako ho an'i Davida , dra hagnome anao an'Israely zaho. 39Hagnasazy reo taranak'i Davida zaho, fa sy ho mandrakizay.'''40Dra nizaka gny hamono an'i Jeroboama i Solomona. Fa i Jeroboama nindray nandososy tagny Egypta, tagny amin'i Sisaka pazakan'i Egypta, dra nizano tao Egypta izy mandra-pahafatin'i Solomona.41Raga gny amy raharaha hafa mikasiky an'i Solomona , zay aby nataony vo gny fahendreny, moa se sy voasorasy ao amy boky ereo tatara momba an'i Solomona reo?42Nazaka tao Jerosalema tamin'ereoIsraely aby i Solomona nandrisy gny efapolo tao.43Nimaty tagny amin'ereo razambeny izy dra nalevy tao amy tanan'i Davida rany. Dra lasa Pazaka tafaran'i Rehoboama zanadahiny.
Chapter 12

1Dra nagnagny Sekema i Rehoboama, Satria gny Isrealy aby gny avy tao Sekema ba hanao anazy ho pazaka. 2Nandre zay Jeroboama zanaky lahin'i Nebata (fa izy bo tagny Egypta, tagny ami'zay nilomesany gny fagnatrehan'i Solomona pazaka), satria Jeroboama nitoboky tao Egypta.3Dra nampagniraky vo nitoka anazy izy reo, dra Jeroboama vo reo fengonana'ny Isrealy aby avy dra nizaka taminazy Rehoboama ho: ''4Nataon'ny babanao mavesasy gny zioganay. Dra hamevegno gny asa fatrasy babanao, dra hamavegno gny zioga mavesasy zay nampandesiny anay, dra hanopo anao izahay.'' 5Rehoboama nizaka tamin'azy ho: ''Mandehana mandrisy gny telo andro dra miharegna atiky aminahy.''' koa gny nadeha gny vahoaky.6Nangalaky hevisy tami'reo lelahy zokin'olo zay nagnatriky an'i Solomona babany fony izy bo velo i Rehoboama pazaka, dra hoy izy ho: ''Ino gny torohevisindrareo hon'ahy ba hamaliako reo vahoaky reo?'' 7Nizaka taminahy ereo dra nanao ho: ''Gny ho panopon'ireo vahoaky reo hanao anio dra hanopo anazy reo, dra hamaly anazy reo amigny zaka soa, dra ho panoponao mandrakariva izy reo.''8Fa i Rehoboama nanda gny torohevisy zay namen'ny zokin'olo anazy dra nitalia hevisy tami'reo tovolahy zay nindray lahibe taminazy vo nagnatriky anazy. 9ho izy tamin'ereo ho: ''Ino gny torohevisy amendrareo anahy zay mety havaliasika reo vahoaky zay nizaka taminahy ho: ''Hamavegno gny zioga zay napetraky gny babanao taminay?''10Reo zatovolahy zay nindray lahibe tamin'i Rehoboama nizaka taminazy dra nanao ho: ''Mizaka ami'reo vahoaky zay nizaka taminao fa i Solomona babanao dra nanao gny ziogan'izy reo ho mavesasy kanefa hanao sy maisy hagnamevan'anazy. tokony hizaka amin'ereo hanao ho: ''Gny zanakakihoko dra lahibe noho gny valahan'i babako. 11Gny akehitriny, na dre nampinday zioga mavesasy adrareo aza gny babako, dra bo hagnapy gny ziogandrareo zaho. Gny babako nagnafay andrareo tamigny karavasy fa izaho koa hagnafay andrareo amigny maingoka.'''12Dra avy tagny amin'i Rehoboama tamigny andro fahatelo i Jeroboama vo gny vahoaky aby, araky gny nandidian'ny pazaka gny nizaka izy ho: ''Miharegna eto aminahy amigny andro fahatelo.'' 13Gny pazaka namaly gny vahoaky tamigny zaka fatrasy dra nanda gny torohevisy zay namen'ireo zokin'olo anazy. 14Nizaka tamin'ereo izy araky gny torohevis'ereo zatovolahy; hoy izy ho: ''Nampinday andrareo zioga mavesasy gny babako, kanefa bo hagnapy gny ziogandrareo zaho.Nagnafay andrareo tamigny karavasy gny babako, fa izaho koa hagnafay andrareo amigny maingoka.'''15Dra sy niteno gny vahoaky gny pazaka, fa avy amin'i Yaveh zay raha zay, ba hahafahany magnatateraky gny zakany zay nizakany tamigny alalan'i Ahia ilay Silonita tamin'i Jeroboama zanaky lahin'i Nebata.16Gny fa hitan'ny Isrealy aby fa sy niteno anazy reo gny pazaka, dra namaly anazy gny vahoaky dra nanao ho: ''Ino gny ba azaranay ao amin'i Davida? Sy mana lova ao amigny zanaky lahin'i Jese izahay! Mandehana agny an-daindrareo, ry Isrealy. Akehitriny atio gny akohonanao, ry Davida.'' Dra nihery tagny an-dainy gny Isrealy. 17Fa reo vahoakin'i Israely zay nitoboky tao atanan'i joda, dra i Rehoboama gny lasa pazakan'ereo.18Dra i Rehoboama pazaka nagniraky an'i Adorama, zay nifehy piasa an-terivozo, fa gny Isrealy aby nitoraky vato anazy dra maty izy. Rehoboama pazaka nandososy malaky tagny Jerosalema nindray tamigny Kalesiny. 19Noho zay Israely dra nikomy tamigny taranak'i davida mandrak'androany.20Gny fa ren'ny Israely aby fa nihery i Jeroboama dra nampagniraky nampitoka anazy ho ao amigny fivorian'ereo, dra nanao anahy ho pazakanigny Israely aby. Sy nisy olo dre raiky aza nagnoriky gny fianakavian'i Davida, afa-sy gny fokon'i Joda raiky avo.21Gny fa avy tao Jerosalema Rehoboama, dra namory reo taranak'i Joda vo reo fokon'i Benjamina aby; nisy lelahy voafily 180. 000 ze maramila, ba hialy amigny taranak'Israely, ba hagnery gny fazakan'i Rehoboama zanadahin'i Solomona.22Fa gny zakan'Agnahary avy tamin'i Semaia, gny lelahin'Agnahary; voazaka ho: 23"Zakao i Rehoboama zanadahin'i Solomona, pazakan'i Joda, gny taranak'i Joda vo i Benjamina aby, dra reo olo ambiny aby; zakao ho: 24'Zao gny zakan'i Yaveh: Ka manafiky na mialy amigny rahalahinao vahoakin'i Israely hanao. Gny lelahy sirairay dra sy maisy mihery agny amigny tragnony, akory boak'aminahy zao raha zao." Dra niteno gny zakan'i Yaveh ereo, dra nihery vo nitakasy gny lalany, dra nakato gny zakany ereo.25Dra Jeroboama nagnory an'i Sekema teo amigny tany havoan'i Efraima, dra nony teo. Niboaky boak'ao izy dra nagnory an'i Pehoela. 26Jeroboama nanao anaka-po ho: "Hihery ho anigny taranak'i Davida gny fazaka amizao. 27Raha miakasy ba hanao soro ao amigny tepolin'i Yaveh ao Jerosalema reo vahoaky reo, dra nihery amigny topon'ereo, dra amin'i Rehoboama pazakan'i Joda ndraiky gny fon'ireo vahoaky reo. Hamono anahy ereo dra hihery amin'i Rehoboama pazakan'i Joda."28Dra Rehoboama pazaka tehy hery dra namboasy zanak'agnomby volamena ro; dra hoy izy tamigny vahoaky: "Sarosy ho andrereo gny hiakasy ho agny Jerosalema. Ingo, tahoky gny zagnaharindrareo, ry Israely, ze ninday andrareo niakasy niala gny tany Egypta." 29Napetrany ta Betela ao gny raiky dra gny hafa tagny Dana. 30Dra lasa fahota izay fihesiky zay. Gny vahoaky nandeha tamigny raiky na gny hafa, tamigny lalan'aby magnagny Dana.31Jeroboama nagnory reo tragno tamigny toera abo dra nanendry pisoro boak'amireo vahoaky aby, ze sy avy teo amireo zanadahin'i Levy avo koa izy. 32Nanendry andro firavoravoa i Jeroboama tamigny vola fahavalo, tamigny andro faha dimy ambiny folonigny vola, manahaky gny firavoravoa ze agny Joda, dra niakasy tegny amigny alitara izy. Ta Betela agny gny nanovany anizay, nanao soro tamigny zanak'agnomby ze namboariny, dra napetrany tagny Betela reo pisoro tao amigny toera abo ze nataony.33Niakasy tagny amigny lagnisy ze namboariny tao Betela i Jeroboama tamigny andro faha dimy ambiny folo tamigny vola fahavalo, tamigny vola ze niheverinigny sainy manoka; nanendry andro firavoravoa ho anigny vahoakin'i Israely izy, dra niakasy tagny amigny alitara ba hagnoro liti-kazo magnisy.
Chapter 13

1Nisy lelahin'Agnahary boak'agny Joda avy tao Betela nohonigny zakan'i Yaveh. Nizoro teo agnilanigny alitara i Jeroboama ba hagnoro liti-kazo magnisy. 2Nihikiaky tamigny alitara nohonigny zakan'i Yaveh izy ho: "Alitara! Alitara! Izao gny ambaran'i Yaveh ho: 'Ingo , hisy lelahy atao ho Josia hateraky amigny fianakavian'i Davida, dra eo aminao gny hanovany soro pisoro amigny toera abo indridra ze magnoro liti-kazo magnisy eo aminao izao. Hagnoro tolan'olombelo eo aminao ereo."' 3Boak'eo gny lelahin'Agnahary nagnome famatara gny androns'igny avo, nanao anizahoky ho: "Izao gny famatara nizakan'i Yaveh: 'Ingo, hiparitaky gny alitara, dra hiraraky gny lavenoky eo aminazy."'4Gny fa renigny pazaka zay nizakanigny lelahin'Agnahary, fa nitoka fatrasy nanohisy gny alitara tao Betela izy, dra nanizisy gny tagnany boak'eo amigny alitara i Jeroboama, nanao anizahoky: "Sambory izy." Boak'eo maty gny tagnany ze nahiziny tamigny lelahy, dra sy afaky nagnemosy anizay hihery sasy izy. 5(Niparitaky avo koa gny alitara dra niraraky boak'eo amigny alitara gny lavenoky, araky gny voafarisigny famatara ze namenigny lelahin'Agnahary nohonigny zakan'i Yaveh.)6Namaly Jeroboama pazaka dra nizaka tamigny lelahin'Agnahary ho: "Mataha sitraky amin'i Yaveh zagnaharinao, dra mivavaha ho anahy, ba hahery aminahy ndraiky gny tagnako." Noho izay dra nivavaky tamin'i Yaveh gny lelahin'Agnahary, dra nahery taminazy ndraiky gny tagnanigny pazaka, dra lasa manahaky gny taloha zay. 7Hoy gny pazaka tamigny lalehin'Agnahary ho: "Ndao holy miaraky aminahy dra hangalaky ay, dra hameko valisoa hanao."8Hoy gny lelahin'Agnahary tamigny pazaka ho: "Na dre hamenao anahy aza gny asasaky gny fanagnanao, dra sy handeha hiaraky aminao zaho, na hihina-kany na hino rano amity toera tihoky, 9akory Yaveh nandidy anahy tamigny zakany ho: 'Sy hihina mofo na hino rano hanao, na hihery amigny lala ze niavianao."' 10Noho izay dra nandeha tamigny lala hafa gny lelahin'Agnahary dra sy nihery tagny atragnony tamigny lala ze nandehanany ho agny Betela.11Dra nisy paminany atisy raiky nipetraky tao Betela, dra avy gny raiky tamireo zanadahiny dra nizaka taminazy gny raha aby ze vitanigny lelahin'Agnahary tao Betela tamin'io andro io. Nizakanigny zanany taminazy koa reo zaka ze nizakanigny lelahin'Agnahary tamigny pazaka. 12Hoy gny ran'ereo tamin'ereo ho: "Eza gny lala nandehanany?" Dra hitanigny zanany gny lala nandehananigny lelahin'Agnahary boak'agny Joda. 13Noho izay dra hoy izy tamireo zanadahiny ho: "Asio lasely ho anahy gny boriky." Ko dra nasian'ereo lasely gny boriky dra nitikirany zay.14Nagnoriky anigny lelahin'Agnahary gny paminany atisy dra nahita anazy nipetraky teo ambaninigny hazo terebita; dra hoy izy taminazy ho: "Hanao ra gny lelahin'Agnahary boak'ao Joda?" Dra namaly izy ho: "Izaho indrindra." 15Boak'eo nizaka taminazy gny paminany atisy ho: "Ndrao hindray aminahy agny atragno dra hihina-kany." 16Dra namaly gny lelahin'Agnahary ho: "Sy handeha hihery hiaraky aminao zaho na hilisy hiaraky aminao, na hihina-kany na hino rano miaraky aminao amizay toera zay, 17akory nandidia anahy tamigny zakan'i Yaveh izay ho: 'Sy mahazo mihina hany na mino rano agny hanao, na mihery amigny lala ze nandehananao."'18Dra hoy gny paminahy atisy taminazy ho: "Paminany mahaky anao koa zaho, dra nisy azely nizaka taminahy nohonigny zakan'i Yaveh, nanao anizahoky ho: 'Andeso mihery agny atragnonao miaraky aminao izy, ba hahafahany mihina-kany vo mino rano."' Kanefa navandy tamigny lelahin'Agnahary izy. 19Noho izay dra nandeha nihery niaraky tamigny paminany atisy gny lelahin'Agnahary dra nihina-kany tao atragnony vo nino rano.20Raha nipetraky teo an-databasy ereo, dra avy amigny paminany ze ninday anazy nihery gny zakan'i Yaveh, 21dra nihiakiaky tamigny lelahin'Agnahary ze avy agny Joda izy, nanao anizahoky ho: "Hoy Yaveh ho: 'Akory sy nakato gny zakan'i Yaveh hanao dra sy nitandry gny didy ze namen'i Yaveh anao, 22fa nihery vo nihina-kany vo nino rano tao amigny toera ze nizakan'i Yaveh anao ba sy hihina hany na hinomanao rano, dra sy halevy agny amigny lolon'ireo razambenao gny vatanao."'23Gny fa avy nihina-kany vo gny fa avy nino izy, dra nasianigny paminany lasely gny borikinigny lelahin'Agnahary, gny lelahy ze nihery niaraky taminazy. 24Gny fa lasa gny lelahin'Agnahary, dra nisy liona nifanena taminazy tegny an-dala dra namono anazy, dra nanga teo an-dala gny fatiny. Boak'eo gny boriky nizoro teo agnilanizay, dra gny liona avo koa dra nijoro teo agnilanigny faty. 25Gny fa nandalo teo gny olo dra nahita gny faty tavela teo an-dala, dra gny liona nizoro teo agnilanigny faty, dra nandeha ereo dra nizaka anizay tagny amigny tana ze nipetrahanigny paminany atisy.26Gny fa renigny paminany ze ninday anazy nihery tamigny lala zay, dra hoy izy ho: "Gny lelahin'Agnahary ze sy nakato gny zakan'i Yaveh zay. Noho izay dra namen'i Yaveh gny liona izy, ze namiravira anazy vo namono anazy, araky gny napitandremanigny zakan'i Yaveh anazy." 27Ko nizaka tamireo zanadahiny gny borikiko,' dra nasia'ereo lasely zay. 28nandeha izy dra nahita gny faty tavela tegny an-dala, dra gny boriky vo gny liona nizoro teo agnilanigny faty. Sy nihaninigny liona agnilanigny faty, na nivonony gny apondra.29Nalanigny paminany gny fatinigny lelahin'Agnahary, napandriany teo amigny boriky izay, dra nandesiny nihery. Avy tagny amigny tanany manoka izy ba handala vo handevy anazy. 30Napandreny tao amigny lolony manoka gny maty, dra nindala anazy ereo, anano anizahoky ho: "Indrisy, ry rahalahiko!"31Gny fa avy nandevy anazy ereo, dra nizaka tamireo zanadahiny gny paminany atisy, nanao anizahoky ho: "Gny fa maty zaho, dra alevegno ao amigny lolo ze nandevegna anigny lelahin'Agnahary. Apandreo eo agnilanigny tolany gny tolako. 32Akory gny hafasy ze nambarany nohonigny zakan'i Yaveh, tamigny alitara tao Betela vo tamireo tragno aby agny amigny toera abo agny amireo tanan'i Samaria, dra hitranga vatany."33Tafaran'io dra sy niala tamigny fomba rasiny i Jeroboama, fa bo nanohy nanondro pisoro avy amigny karazan'olo ho amigny toera agnabo avo . Ze te-hanopo dra natokany ho pisoro. 34Lasa fahota tamigny fianakavian'i Jeroboama vo nahaavy gny fianakaviany ho potiky vo ringa teto agnabonigny tany zay.
Chapter 14

1Tamizay fotoa zay dra narary fatrasy Abia zanadahin'i Jeroboama. 2Hoy i Jeroboama tamigny valiny ho: "Misangana re dra manova endriky, ba sy ho fatasy gny olo fa valiko hanao, dra mandehana agny Silo, fa agny gny misy an'i Ahia paminany; izy gny nizaka gny momba anahy, nizaka fa ho lasa pazakan'ireo olo reo zaho. 3Mindesa mofo folo, mofomamy kelikeliky, vo tately tavoangy raiky, dra mandehana agny amin'i Ahia. Hizaka aminao ze hitranga amin'io zaza io izy."4Nataonigny vadin'i Jeroboama anizay; dra lasa izy dra nandeha nagnagny Silo, dra avy tao atragnon'i Ahia. Dra sy nahita i Ahia; sy nahita sasy izy nohonigny fahaterany. 5Hoy i Yaveh tamin'i Ahia ho: "Ingo, ho avy eto aminao gny valin'i Jeroboama ba hitalia toro-hevisy mahakasiky gny zanadahiny, akory marary izy. Izao sy zao gny zakanaminazy, akory gny fa avy izy, dra mady hanao manahaky gny apela hafa izy."6Gny fa ren'i Ahia gny feonigny tombony raha izy nilisy gny vatrangara igny, dra hoy izy ho: "Mandrosoa, ry valin'i Jeroboama. Nagnino hanao gny mady manao olo-kafa? Nirahy hizaka vaovao rasy ho anao zaho. 7Mandehana, zakao i Jeroboama fa i Yaveh, gny Zagnaharin'Israely, dra nizaka ho: 'Nasandraso tamireo olo hanao ba haavy ahano ho pitariky gny vahoak'Israely. 8Nalako teo amigny fianakavian'i Davida gny fazaka dra nameko anao zay, nefa hanao dra sy manahaky an'i Davida panopokoze nitandry gny didiko dra nagnaraky Anahy tamigny fony manotolo, ba sy hanao afa-sy gny mary eo amasoko.9Fa hanao koa dra nanao rasy, mihoasy noho reo aby nanoloan'anao. Hanao dra nanao zagnahary hafa, nanao sari-raha agnilia ba hapasiaky anahy, dra nagniliky anahy ho ao an-damosinao. 10Noho izay, ingo, hinday loza amigny fianakavianao zaho; handringa gny zazalahy aby ao Israely zaho, na gny andevo na gny afaky, dra hagnafoa tateraky gny fianakavianao, manahaky gny olo magnoro zeziky mandra-pahalevon'izay.11Na iza na iza anigny fianakavianao ze maty ao amigny tana dra ho hanin'ireo amboa, dre iza dre iza maty agny asaka dra ho hanin'ireo voronigny lagnisy Zaho, Yaveh gny fa nizaka anizay.' 12Ko misangana, ry valin'i Jeroboama dra miheregna agny atragnonao; gny fa milisy ao amigny tana gny tombonao, dra ho maty i Abia. 13Handala vo handevo anazy gny Israely aby. Izy avo gny toka boak'amigny fianakavian'i Jeroboama halevy ao agnaty lolo, akory tao aminazy raiky avo, boak'ao amigny atragnon'i Jeroboama, gny nahita raha soa teo amason'i Yaveh, gny Zagnaharin'Israely.14Yaveh avo koa dra hanandrasy pazakan'Israely raiky ze handringa gny fianakavian'i Jeroboama amin'io andro io. Androany zay andro zay, izao amizao. 15Fa Yaveh dra hanafiky an'Israely manahaky gny volotara hozongozognynigny rano, Izy dra agnombosy an'Israely hiala eo amin'io tany soa ze nameny gny razam-ben'ereo io. Hagnaparitaky anereo agny andafinigny onin'i Efrata Izy, akory nanao boan'Aseraha ereo dra nahaory an'i Yaveh. 16Izy dra hagnenga an'Israely noho reo fahotan'i Jeroboama, reo fahota ze nataony, vo nitahiny an'Israely ba hanota.17Dra nisanga gny valin'i Jeroboama dra nandeha, dra avy tao Tirza. Raha avy teo atokonam-baravaranigny tragnony izy, dra maty gny zaza. 18Nandevy vo nandala anazy gny Israely aby, araky gny fa nizakany tamin'ereo araky gny zakan'i Yaveh ze nambarany tamigny alalanigny Ahia paminany panopony.19Dra reo raha hafa mahakasiky an'i Jeroboama, gny nagnaramany aly vo nazakany, dra ingo, nisoratiny tao amigny bokinigny tataranigny pazakan'Israely reo. 20Nazaka ro amby ropolo tao Jeroboama dra nimaty niaraky tamireo razambeny, dra Nadaba zanadahiny gny lasa pazaka teo amigny toerany.21Dra Rehoboama zanak'i Solomona gny nazaka tao Joda. Raiky amby efapolo tao Rehoboama gny lasa pazaka, dra nazaka fito ambiny folo tao tao Jerosalema izy, gny tana ze nifilin'i Yaveh tamigny fokon'Israely aby hametraha gny agnarany. Gny agnaranigny reniny dra Nama gny Amonita. 22Nanao rasy teo amason'i Yaveh i Joda; napiteraky hasaro-piaro ho anazy gny ota nataon'ereo, mihoasy noho gny raha aby ze fa nataonigny razamben'ereo.23Fa ereo avo koa dra namboasy toera abo ho anigny vatan'ereo, sangam-bato, dra baon'Aseraha manera gny tendrombohisy vo zaka ambany hazo meso. 24Nisy koa reo lelahy nivaro-tegna tao amigny tany. Nanao reo fahavetaveta fanaon'ireo agnatrehanigny vahoakin'Israely ereo.25Dra tamigny tao nazakan'i Rehoboama pazaka gny avy nanafiky an'i Jerosalema i Sisaka pazakan'i Egypta. 26Nalany avokoa reo harena tao atragnon'i Yaveh, vo reo harena tao atragnonigny pazaka. Nalany avokoa gny raha aby; nalany avo koa reo apinga volamena aby ze namboarin'i Solomona.27Nanao apinga varahy teo amigny toeran'ereo avo koa i Rehoboama pazaka dra nagnaky reo teo atagnan'ireo pifehy gny piamby, ze niamby gny vatrangaranigny tragnonigny pazaka. 28Isaky gny nilisy tao atragnon'i Yaveh pazaka, dra nizakan'ireo piamby reo; dra nandesin'ereo nihery tao amigny tragnonigny piamby.29Dra reo raha aby mahakasiky an'i Rehoboama, vo ze nataony aby, moa ra sy fa voasorasy ao agnatinigny bokiny gny tataranigny pazakan'i Joda reo? 30Nisy aly mandrakariva teo amin'i Rehoboama vo jeroboama. 31Ko nimaty niaraky tamireo razambeny i Rehoboama dra niaraky nalevy tamin'ereo tao amigny tanan'i Davida. Gny agnaranigny reniny dra i Nama gny Amonita. Abia zanadahiny gny lasa pazaka teo amigny toerany.
Chapter 15

1Tamigny tao fahavalo ambiny folo nazakan'i Jeroboama zanadahin'i Nebata, dra nanomboky nazaka teo amin'i Joda i Abia. 2nanapaky telo tao tao Jerosalema izy. Imaka gny agnaranigny reniny. Zanakapelan'i Absaloma izy. 3Nandeha tamigny fahota aby ze nataon-drany talohanigny fotoany izy; gny fony dra sy ba voatoka ho an'i Yaveh Zagnahariny manahaky gny fon'i Davida, razambeny.4Na izay aza, noho gny amin'i Davida, Yaveh Zagnahariny dra nagnome fanilo anazy tagny Jerosalema tamigny alalanigny fananganany gny zanany handimby anazy ba hapatazaky an'i Jerosalema. 5Nataon'Agnahary zay akory Davida dra nanao gny mary teo amasony; nandrisy gny andro aby niegnany, sy ba nivily tamizay aby nandidiany anazy izy, afa-sy tamigny raharahan'Oria gny Hetita avo. Dra nisy aly teo amin'i Rehoboama vo Jeroboama nandrisy gny andro-piegnan'i Abia aby.7GNy amireo raharaha hafa mahakasiky an'i Abia, dra ze nataony aby, moa sy fa voasorasy ao amigny bokinigny tatarany pazakan'i Joda ra reo? Nisy aly teo amin'i Abia vo Jeroboama. 8Nimaty niaraky tamireo razambeny i Abia, dra nalevin'ereo tagny amigny tanan'i Davida izy. Asa zanany gny lasa pazaka teo amigny toerany.9Tamigny tao faha ropolo nazakan'i Jeroboama pazakanigny Israely, dra nanomboky nazaka teo amin'i Joda i Asa. 10Nanapaky nandrisy gny raiky amby efapolo tao tao Jerosalema izy. Imaka gny agnaranigny nenibeny, gny zanakapelan'i Absaloma. 11Nanao gny mary teo amason'i Yaveh i Asa, manahaky anize nataon'i Davida razambeny.12Niroahiny sy ho amigny tany reo lelahy pizangazanga amigny fanopoa-sapy dra nalany avokoa reo sapy ze namboarin'ereo razambeny. 13Nalany tamigny maha-pazaka apela anazy koa i Maka, nenibeny, akory izy namboasy sapy maharikoriko avy tamigny baon'i Ashera. Nokapain'i Asa gny sapy maharikoriko dra noroany tagny an-Dohasakan-driaky Kidrona.14Fa ereo fipetraha ambony sy dra nala. Gny izay aza, gny fon'ny Asa dra voatoka ho an'i Yaveh tateraky naharisy gny androny aby. 15Nandesiny ho agny atragnon'i Yaveh gny raha zay voatokan'ny babany, vo reo zavany zay voatoka vita tamigny volafosy vo volamena, dra reo fanaky.16Nisy aly amin'i Asa vo basa pazakan'ny Isrealy, tamigny andron'izy reo aby. 17Nanao herisetra tamin'i Joda i Basa pazakan'ny Israely dra nananga an'i Rama, ba sy hagnangany gny olo hiala na hilisy ao amigny tanin'i Asa pazakan'i Joda.18Dra nalan'i Asa gny volafosy vo volamena aby sisa tao ami'reo afisy fagnaza tao amigny tragnon'i Yaveh, vo reo afisy fagnazan'ny lapan'ny pazaka. Nataony teo atagnan'ireo panopony dra nampagnateriny ho an'i Beni-hadada zanaky lahin'i Tabrimoma zanaky lahin'i Heziona, pazakan'i Syria, zay nitoboky tagny Damaskosy zay. Hoy izy: 19Aoka hisy fifagneke aminahy vo aminao, manahaky zay nisy teo amigny babako vo gny babanao. Ingo, fa napagnatisy volafosy vo volamena ho fagnomeza ho anao zaho.Ravao gny fagnekenao vo Basa pazakan'Israely, ba hialany aminahy.''20Niteno an'i Asa pazaka i Beni-hadada dra nandefa reo pifehy gny tafiny, dra nanafiky gny tanan'Israely izy reo. Nanafiky an'i Iona, Dana, Abelabeti-maka, dra gny Kinerota aby izy reo. 21Dra gny ren'i Basa zay dra nasahany gny fananganany an'i Rama dra nihery gny Tirza izy. 22Dra nanao fizaka teo amin'i Joda aby i Asa pazaka. Sy nisy dre raiky afaniala. Nalan'ereo aby gny vato vo gny hazon'ny Rama zay nagnoregnan'i Basa gny tana. Dra napesan'i Asa pazaka ze fitova fagnamboara zay ba hanangana an'i Geban'i Benjamina vo Mizpa.23Gny amireo raharaha hafa mahakasiky an'i Asa, gny heriny aby, ze nataony aby, reo tana naoriny aby, moa sy fa voasorasy ao amigny bokinigny tataranigny pazakan'i Joda ra reo? Kanefa nandrisy gny andro-pahaterany dra narary tamigny tombony izy. 24Dra nimaty niaraky tamireo razambeny i Asa dra nalevy niaraky tamin'ereo tao amigny tanan'i Davida rany. I Josafata zanadahiny gny lasa pazaka nandimby anazy.25Nadaba zanadahin'i Jeroboama nanomboky nazaka tamigny Israely tamigny tao faharo nazakan'i Asa pazakan'i Joda; nazaka tamigny Israely nandrisy gny ro tao izy. 26Nanao rasy teo amason'i Yaveh izy dra nandeha tamigny lalan-drany, vo tamigny fahotany, ze nitarihiny gny Israely hanota.27Basa zanadahin'i Ahia, boak'amigny fianakavian'Israely, nikomy nanohisy an'i Nadaba; nivonon'i Basa tao Gibetona, ze an'ireo Filistina izy, akory Nadaba vo gny Israely aby nanao fahirano tagny Gibetona. 28Tamigny tao fahatelo nazakan'i Asa pazakan'i Joda, dra namono an'i Nadaba i Basa dra avy pazaka teo amigny toerany.29Raha vo lasa pazaka izy, dra nivonin'i basa gny fianakavian'i Jeroboama aby. Sy nisy nangany gny ainigny taranak'i Jeroboama; izay fomba zay gny nandringa gny fianakavianigny pazaka, araky ze nambaran'i Yaveh tamin'i Ahia Silonita panopony, 30noho reo fahotan'i Jeroboama ze nataony vo gny nitarihany gny Israely hanota, akory nihasy gny fahatezeran'i Yaveh, gny Zagnaharinigny Israely izy.31Gny amigny raharaha hafa mahakasiky an'i Nadaba, vo ze nataony aby, moa sy fa voasorasy ao amigny bokinigny tataranigny pazakanigny Israely ra reo? 32Nisy aly teo amin'i Asa vo Basa pazakanigny Isrealy tamigny andron'ereo aby.33Tamigny tao fahatelo nazakan'i Asa pazakan'i Joda, dra naomboky nazaka teo amin'Isrealy aby tagny Tirza i Basa zanadahin'i Ahia dra nazaka nandrisy gny efasy amby ropolo tao izy. 34Nanao rasy teo amason'i Yaveh izy dra nagnaraky gny fomban'i Jeroboama vo gny fahotany ze nitarihiny gny Israely hanota.
Chapter 16

1Avy tamin'i Jeho zanak'i hanany gny zakan'i Yaveh hanohisy an'i Basa, nanao ho: 2Na dre fa nangalaky anao hiala amigny botany aza zaho vo nanao anao ho pitariky eo amin'Israely vahoako, dra nagnoriky gny fomban'i Jeroboama hanao dra napanota an'ny Israely vahoako, ba hahaory anahy amigny fahotan'izy reo.3Ingo, haringako tateraky i Basa vo gny ankohonany dra hanao gny ankohonanao hanahaky gny ankohonan'i Jeroboama zanak'i Nebata zaho. 4Hohanin'ireo amboa gny olon'i Basa zay maty ao atana, dra reo voron'ny lagnisy dra hihina gny olo zay maty egny asaha.''5Gny ami'reo raha hafa mahakasiky an'i Basa, zay nataony, vo gny heriny, moa se io sy fa voasorasy ao amigny bikin'ny tantaran'ireo pazakan'Israely reo? 6Nodimandry nindray tamin'ireo razambeny mi Basa dra nalevy tagny Tieza, dra Elaha zanany gny lasa pazaka teo amigny fitobohany.7Dra avy nanohisy an'i Basa vo gny fianakaviany gny zakan'i yaveh tamigny alalan'ny Jeho paminany zanak'i Hanany, nohon'ny rasy aby zay nataony teo amason'i Yaveh, ba hahaory anazy amigny asan'ny tagnany, manahaky gny fianakavian'i Jeroboama, dra fa namono gny fianakavian'i Jeroboama aby avo koa izy.8tamigny fahaenina amby ropolo tao nazakan'i Asa pazakan'i Joda, dra nanomboky nazaka teo amigny Israely tagny Trza i Ela zanak'i Basa; nazaka nandrisy gny ro tao izy. 9Zimry panopony, kapitenin'ny asasaky gny kalesiny, dra nitetiky hanohisy anazy. dra tagny Tizra i Ela, napimamo gny tegnany ao atragnon'i Arza, zay teo amigny ankohonan'i Trza. 10Dra nilisy i Zmry, nanafiky vo namono anazy, tamigny faha fito amby ropolo tao nazakan'i Asa pazakan'i Joda, dra lasa pazaka nisolo gny fitobohany.11Gny fa nanomboky nazaka vo napetraky teo amigny Seza fiandrianany i Zimry, dra namono gny fianakavian'i Basa aby izy. Sy nagnenga lelahy dre raiky tamigny havany vo naman'i Basa ho velo izy. 12Dra niringanin'izy Zmry gny fianakavian'i Basa aby, araky gny zakan'i Yaveh ze nizakan'ny hanohisy an'i Basa tamigny alalan'ny Jeho paminany, 13Nohon'ny fahotan'i Basa aby vo gny fahotan'i Ela zanany zay nataon'izy reo, vo gny nitarihan'izy reo gny Israely hanota, ba ho nahafahan'izy reo nihasy an'i Yaveh, ilay Zagnaharin'Israely, ba ho ory amigny sapin'izy reo.14Gny ami'reo raha mahakasiky an'i Ela, zay aby nataony, moa se igny sy fa voasorasy tao amigny bokin'ny tantaran'ireo pazakan'i Israely?15Tamigny fahafito amby rampolo taona nazakan'i Asa mpazakan'i josy dra nazaka tany tirza naharisy gny fito andro moza i Zmry. Dra nitoboky tao Gibetona, zay an'ireo Filisitina gny tafiky. 16Reo tafiky nitoboky tagny dre nahare gny zaka ho: ''Nikonokono i Zmry dra fa namono gny pazaka.'' Dra tami'zay andro zay dra tagny an-toby, gny Israely aby dra zinaka an'i Pmry, ho pamehy gny tafiky, ho pazaka eo amin'i Israely. 17Nandefa nindray avy tagny Gibetona i Omry vo reo Israely aby nindray taminazy, dra nanao fahirano an'i trza izy reo.18Gny fa hitan'i Zimry fa azo gny tana, dra nilisy tao amigny fiarova matrasy zay nikamba tamigny lapan'ny pazaka izy dra nagnoro gny tragno teo aminazy; tamin'izay fomba zay gny nahafatezany tao agnaty afo.19Zay dra nohon'ny fahota vitany tamigny fonova zay rasy teo amason'i Yaveh, tamigny fagnaraha gny fomban'i Jeroboama vo tamigny fahota zay fa nataony, ba hitariky gny Israely hanota. 20Gny am'reo raharaha hafa mahakasiky an'iZmry, vo reo fivaliha zay nataony, moa sea reo sy fa voasorasy ao amigny bokin'ny tantaran'ireo pazakan'Israely?21Avy eo dra nizara ho atoko ro reo vahoakin'Israely. Nagnoriky an'i Tibny zanak'i Ginata gny asasaky gny vahoaky, ba hanao anazy ho pazaka, dra gny asasaky nagnoriky an'i Omry.

22Fa nahery nihoasy reo olo nagnara-lia an'i Tibny zanak'i Ginata reo olo nagnaralia an'i Omri. Dra maty i Tbnia; dra lasa pazaka i Omri.
23Nanomboky nazaka teo amigny Israely tamigny faha raiky amby telopolo tao nazakan'i Asa pazakan'i Joda i Omry, dra nazaka nandrisy gny ro ambin'ny folo tao. Nazaka tagny Tirza nandrisy gny eni-tao izy. 24Niviliny tamin'i Samera tamigny taleta volafosy ro gny havoan'i Samaria. Nagnory tana teo amigny havoana izy dra nanao gny agnaran'ny tana ho Samaria, araky gny agnaran'i Samera, ilay topon'ny havoana teo aloha.25Nanao zay rasy teo amason'i yaveh i Omry dra rasy fagnahy mihoasy zay aby teo alohany. 26Fa nandeha tamigny lala aby an'i Jeroboama zanak'i Nebata vo gny fahotany zay nitarihany gny Israely hanota, ba hiasy an'i Yaveh, ilay Zagnaharindr'Israely, ba ho ory amigny sapin'izy reo zay sy misy dikany izy.27Gny amigny raharaha hafa mahakasiky zay nataon'i Omry, vo gny hery zay nasehony, moa sy fa voasorasy ao amigny bokin'ny zakan'ireo pazakan'Isrealy se ereo? 28Dra nodimandry nindray tamin'ireo razany i Omry dra nalevy tagny samaria dra Ahaba zanany lahy gny lasa pazaka nandimby gny fitobohany.29Tamigny fahavalo amby telopolo tao nazakan'i Asa pazakan'i Joda, dra nanomboky nazaka teo amigny Israely Ahaba zanak'i Omry. nazaka teo amigny Israely tao Samaria nandrisy gny ro amby ropolo tao i Ahaba zanak'i Omry. 30Nanao zay rasy teo amason'i yaveh i Ahaba zanak'i Omry, mihoasy noho reo aby zay teo alohany.31Raha sy nisy dikany tamin'i Ahaba gny nandeha tamigny fahotan'i Jeroboama zanak'i nebata, koa dra nalany ho valiny i Jezebela zanaky vavin'i Etibala, pazakan'ireo Sidoniana; nandeha dra nanopo an'i Bala izy dra niakohoky taminazy. 32Nagnory alitara ho an'i Bala tao atragnon'i bala izy, zay naory tagny Samaria. 33Dra nagnamboasy baon'Aseraha i Ahaba. Bo nanao mihoasy noho zay aza i ahaba ba hahaory an'i Yaveh, lay Zagnarin'Israely, mihoasy an'ireo pazakan'Israely aby teo alohany.34Nandrisy gny fitondran'i Ahaba, dra nagnery nagnory an'i jeriko i Hiela avy agny Betela. Hiela dra nametraky gny fotosy gny tana tamigny ain'i Abirama, zanany lahimatoany; dra Segoba, faralahiny; dra namoy gny ainy gny nagnoregnany reo vavahadin'ny tana, araky gny zakan'i Yaveh zay nizakany tamin'i Josoa zanak'i Nona.
Chapter 17

1Elia ilay Tisbita, avy agny Tisba agny Gileada, nizaka tamin'i Ahaba ho: ''Gny bo velo koa i Yaveh, ilay Zagnahariny Israely, zay izoroako eo alohany, dra sy hisy ando na ora amitiky tao tiky gny sy mizaka zaho.''2Avy tamin'i Elia gny zakan'i Yaveh, nanao ho: 3''Miala eto dra mandehana magnasignana; mivonia ao amigny lohasahan-driaky Kerita, asignanan'i Jordana. 4Dra hino gny rano avy ao amigny lohasahan-driaky hanao, dra fa nandidy reo koaky zaho hamaha anao agny.''5Dra nandeha i Elia dra nanao araky ze nandidianigny zakan'i Yaveh. Nandeha izy ba hipetraky eo amigny lohasakandriaky Kerita, asignanan'i Jordana. 6Ninday mofo vo hena ho anereo koaky gny mary dra mofo vo hena gny hariva, dra nino tamigny lohasakan-driaky izy. 7Fa gny fa afaky kelikely dra risy gny lohasakan-driaky akory sy nisy ora gny tany.8Avy taminazy reo gny zakan'i Yaveh, mizaka ho: 9"Misangana, mandehana agny Zarefata, ze nandidy pitondrategna tagny zaho ba hapisakafo anao." 10Dra nisanga izy dra nandeha tagny Zarefata, dra gny fa avy teo am-bavahadinigny tana izy dra nisy pitondrategna raiky namory tapa-kazo. Dra nitoka anazy izy vo nanao anizahoky ho: "Ba andeso rano keliky agnaty siny re zaho ba hahafahako mino rano."11Raha nandeha hangalaky rano izy dra nitoka anazy izy, dra hoy izy: "Ba andeso mofo raiky egny atagnanao re zaho." 12Dra namaly izy ho: "Raha bo velo koa Yaveh zagnaharinao, dra sy mana mofo zaho, fa sakafo eranigny tagna agnaty siny vo menaky keliky agnaty botela avo. Ingo, mamory tapa-kazo ro zaho ba hahafahako milisao dra mahandro anizay ho anahy vo ho anigny zanako, ba hihinananay anizay, dra ho maty." 13Hoy Elia taminazy: "Ka matahosy. Mandehana dra atovy araky ze fa nizakanao, nefa amboaro mofo masaiky zaho aloha dra andeso miboaky aminahy eto zay. Dra gny fa vita zay dra manova ho anao vo ho anigny zanakao.14Fa Yaveh, gny Zagnahary gny Israely, mizaka ho: 'Sy ho foana gny sini-sakafo, na hizano hikoria gny botelanigny menaky, mandra-pahaviany gny andro handasahan'i Yaveh gny ora atany eto." 15Dra nanao araky ze nizakan'i Elia taminazy izy. Izy vo i Elia, niaraky tamigny akohonany, dra nihina nandrisy gny andro maro. 16Sy foa gny sini-sakafo, na nizano nikoria gny botela menaky, araky ze fa nizakanigny zakan'i Yaveh, araky ze voazakany tamin'i Elia.17Tafaran'ireo raha reo, dra narary gny zanaky rapela, ze toponigny tragno. Tena nahery vaiky vatany gny areti dra sy niay sasy izy. 18Dra hoy gny reniny tamin'i Elia: "Ino gny olanao aminahy, ry lelahin'Agnahary? Avy aminahy eto ba hapasiahy anahy gny fahotako dra hamono gny zanako ra hanao?"19Dra namaly anazy Elia ho: "Ameo anahy gny zanadahinao." Nalany tamigny sandriny gny zazalahy dra nandesiny niakasy tao amigny efisy ze nizanognany, dra napandreny teo amigny fandriany gny zaza. 20Nihiaky tamin'i Yaveh izy dra nizaka ho: "Yaveh zagnahariko o, moa ra ninday loza teo amigny pitondrategna ze hizanognako avo koa hanao, tamigny famonoa gny zanany?" 21Boak'eo dra nanizisy gny vatany itelo teo amigny zaza i Elia; nihiaky fatrasy tamin'i Yaveh izy dra nizaka ho: "Yaveh zagnahariko o, mitalaho aminao zaho, angao re hihery ao aminazy gny ainity zaza ty."22Niteno gny feon'i Elia Yaveh; dra nihery taminazy gny ainigny zaza, dra angao ndraiky izy. 23Nalan'i Elia gny zaza dra nandesiny niboaky tao amigny efitragnony hilisy ho ao atragno; dra natolony an-dreniny gny zaza dra hoy izy: "Ingo, velo gny zanakao." 24Hoy rapela tamin'i Elia: "Amizao fatako fa lelahin'Agnahary hanao, dra gny zakan'i Yaveh ao am-bavanao dra mary."
Chapter 18

1Dra gny fa afaky andro maromaro dra avy tamin'i Elia gny zakan'i Yaveh, tamigny tao fahatelonigny hai-tany, nanao anizahoky ho: "Mandehana, mesehoa amin'i Ahaba dra handefa ara amigny tany zaho." 2Nandeha niseho tamin'i Ahaba Elia; dra fatrasy gny mosary tagny Samaria.3Ahaba nitoka an'i Abadia, ze nisaha gny lapa. Dra Obadia dra nagnome voninahisy an'i Yaveh vatany, 4dra gny fa namono reo paminanin'i Yaveh Jezebela, dra nangalaky reo paminany zato dra namony anereo isa-dimapolo tao an-davabato dra namahan'anereo tamigny mofo vo rano i Obadia.5Dra hoy Ahaba tamin'i Obadia: "Mandehana mitety gny tany hatragny amigny loharano vo reo lohasakan-driaky aby. Fa mety hahita ahi-meso hameloma gny sovala vo gny apondra isika, ba sy hisy ho levo gny biby teza aby." 6Ko nifapizaran'ereo gny tany ba handehanany amizay dra italiavany rano. Ahaba nandeha tamigny lala raiky dra Obadia nandeha tamigny lala hafa.7Raha bo tegny an-dala i Obadia, dra nifanena tapoky tamin'i Elia izy. Obadia nahay anazy dra napekohoky gny tavany tamigny tany. Hoy izy ho: "Hanao ra tihoky, ry Elia topoko?" 8Elia namaly anazy ho: "Izaho tiky. Mandehana zakao gny toponao ho: 'Ingo, ato Elia"'9Dra namaly obadia ho: "Ino gny fahotako, gny atolosao eo atagnan'i Ahaba gny panoponao, ba hamonoany anahy? 10Raha bo velo koa Yaveh Zagnaharinao, dra sy misy firenena na fazaka ze sy nandefasanigny topoko olo hialy anao. Na ombia na ombia gny misy firenena na fazaka mizaka ho: 'Sy ato Elia, dra apanovin'i Ahaba fianiana hiania fa sy nahita anao ereo. 11Nefa amizao hoy hanao: 'Mandehana, zakao gny toponao fa atiky i Elia.'12Vatany vo miala aminao zaho, gny fagnahin'i Yaveh hinday anao agny amigny toera sy fataso. Dra raha handeha zaho dra hizaka amin'i Ahaba, dra raha sy hahita anao izy, dra hovonony zaho. Kanefa zaho, panoponao, dra nanopo an'i Yaveh hatramigny fahatanorako. 13Moa sy nizakany taminao ra, ry topoko, ze nataoko gny fa nivonon'i Jezebela gny paminanin'i Yaveh, gny fomba nagnavoniako gny paminanin'Yaveh zato dra dimapolo aby gny tao agnaty lava-bato vo gny namahanako mofo vo rano anereo?14Amizao hoy hanao aminahy: "Mandehana dra zakao gny toponao fa eto Elia, dra hovonony zaho." 15Dra namaly Elia ho: "Raha bo velo koa Yaveh toponigny maro, ze hisanganako eo agnatrehany, dra hiseho amin'i Ahaba vatany zaho androany."16Dra lasa Obadia nandeha ba hagnety an'i Ahaba, dra nizaka taminazy ze nizakan'i Elia. Dra nandeha nihao tamin'i Elia gny pazaka. 17Gny fa nahita an'i Elia i Ahaba, dra hoy izy taminazy: "Hanao ra io? Hanao gny raiky ze minday korota ho an'Israely!"18Dra namaly Elia ho: "Sy ninday korota ho an'Israely zaho, fa hanao vo gny fianakavianigny ranao gny olo napisy korota tamigny alalanigny fialandrareo tamigny didin'i Yaveh vo gny fagnarahanao an'i Bala. 19Ko amizao, mandefasa zaka dra havory eto aminahy gny Israely aby ao atendrombohis'i Karmela, miaraky amireo paminanin'i Bala 450 vo reo paminanin'i Aseraha efazato ze nihina teo an-databas'i Jezebela."20Dra nandefa zaka tagny amigny vahoakinigny Israely aby vo namory niaraky reo paminany tao an-tendrombohis'i Karmela i Ahaba. 21Dra Elia nagnato gny vahoaky aby dra nizaka ho: "Mandra-kombia hanao gny hiova hevisy hatragny? Raha i Yaveh gny Zagnahary, dra magnaraha anazy. Fa raha i Bala gny Zagnahary, dra magnaraha anazy." Fa gny olo sy namaly zaka anazy.22Dra hoy i Elia tamigny vahoaky ho: "Izaho, dra izaho raiky avo, gny sisa paminanin'i Yaveh, nefa gny paminanin'i Bala dra olo 450. 23Ko aoky reo gny hagnome agnomby ro ho asika. Aoky ereo hisafily agnomby raiky ho an'ereo vo handrasarasa anizay, dra hapandry anazy eo amigny hita, nefa sy handrehisy afo eo ambanin'izay. Dra hikarakara gny agnomby raiky hafa zaho dra hametraky anizay eo amigny hita, dra sy hagnisy afo eo ambanin'izay 24Dra hitoka gny agnaranigny zagnaharindrareo handrareo, dra izaho hitoka gny agnaran'i Yaveh, dra gny Zagnahary ze hamaly amigny afo, dra aoky izy gny ho zagnahary." Ko namaly gny olon'aby dra nizaka ho: "Mety izay."25Dra hoy i Elia tamireo paminanin'i Bala: "Mifiliana agnomby raiky ho andrareo, dra hamono meloha anizay, fa olo maro handrareo. Dra tokavo gny agnaranigny zagnaharindrareo, nefa ka asia afo eo ambaninigny agnomby." 26Dra nangalaky gny agnomby ze name anazy ereo dra nikarakara zay, dra nitoka gny agnaran'i Bala hatramigny maray mandra-pitatao-vovona ereo, nanao anizahoky ho: "Ry Bala o, mitenoa anay." Nefa sy nisy feo, na nisy namaly akory. Nisizaky nagnodidy gny alitara namboariny ereo.27Nony mitatao-vovogna dra naneso anereo i Elia nanao anizahoky ho: "Mitava fatrasy avo! fa zagnahary izy! angama bo mierisiserisy izy, na magnameva gny tagnany, na nisy lia nandehanany, na angamba mandry izy dra tokony nifihazy." 28Fa bo nitoka fatrasy avo ereo, dra nandrasa gny vatan'ereo, araky gny fanaony matetiky miaraky amigny sabasy vo lefo, mandra-pahalao-dio gny vatan'ereo. 29Lasa gny mitatao- vovogna, dra bo nisafoaky avo izy hatramigny fotoanigny fagnatisy hariva, nefa sy nisy feo na nisy namaly akory; sy nisy niteno gny fitalahoagnan'ereo.30Dra hoy i Elia tamigny olon'aby: "Magnatogna eto aminahy," dra nagnaton'anazy gny olon'aby. DRa namboasy gny alitaran'i Yaveh ze rava tateraky izy. 31Nangalaky vato ro ambiny folo Elia, gny vato aby dra nameko gny raiky amireo fokon'ireo zanadahin'i Jakoba_gny Jakoba niavianigny zakan'i Yaveh, nanao anizahoky ho: "Israely gny ho agnaranao." 32Tamireo vato reo gny nagnoregna gny alita tamigny agnaran'i Yaveh dra izy nandavaky haly masaiky magnodidy gny alitara lahibe agnomby vo raha indronigny famaragna.33Nandahasy gny hita ho anigny afo izy, nandrasarasa gny agnomby, dra nametraky reo agnomby voasorasy teo amigny hita. Hoy izy ho: "Fenoy rano gny siny efasy dra araraho eo amigny fagnatisy oroa vo eo amigny hita." 34Dra hoy izy: "Atovy fagnindronyzay,'' dra nataon'ereo fagnindrony zay. Dra hoy ndraiky izy: "Atovy fagnitelony zay," Dra nataon'ereo fagnitelony. 35Dra niraraky nagnodidy gny alitara gny rano dra nagnome gny haly masaiky.36Nitranga zay tamigny fotoanigny fagnatisy tamigny soro amigny hariva, dra Elia paminany dra nagnato mariny dra nizaka ho: "Ry Yaveh, Zagnaharin'i Abrahama, vo Isaka, dra Israely, aoky ho fatasy eto amizao fa hanao gny Zagnahary eto amigny Israely, dra Izaho panoponao, dra nanao anizao raha aby zao araky gny zakanao zaho. 37Mitenoa anahy, ry Yaveh, mitenoa anahy, ba hahafataranity olo tahoky fa hanao, Yaveh, dra Zagnahary, dra hanao gny napitoliky gny fon'ereo taminao ndraiky."38Dra gny afon'Yaveh nilasaky dra nandevo gny fagnatisy oroa, vo meraky gny hita, reo vato, dra gny vovoky, dra nandrisy gny rano ze tao amigny haly masaiky. 39Gny fa nahita anizay gny olon'aby, dra napekohoky gny tavany teo amigny tany dra nizaka ho: "Yaveh, izy gny Zagnahary! Yaveh, Izy gny Zagnahary!" 40Dra hoy i Elia tamin'ereo: "Sambory reo paminanin'i Bala. Ka anga hisy hienga ereo na dre raiky aza." Ko nisamboriny ereo, dra i Elia ninday reo paminanin'i Bala nizoso tagny amigny lohasakan-driaky Kisona dra namono anereo tagny.41Hoy i Elia tamin'i Ahaba: "Misangana, mihinana dra minoma, fa izay gny feonigny oram-be." 42Ko niakasy ba hihina vo hino i Ahaba. Dra niakasy teo atapon'i Karmela i Elia, niondriky teo amigny tany izy, dra nametraky gny tavany teo agnelagnelanigny lohaliny.43Dra hoy izy tamigny panopony: "Mekara amizao, dra magnatia egny amigny ranomasy." Dra niakasy gny panopony dra nitalaky vo nanao anizahoky ho: "Sy misy na ino na ino." Dra hoy ndraiky i Elia: "Mandehana ndraiky, ipito." 44Dra nony fagni-pitony dra hoy gny panopony: "Ingo, misy raho miakasy avy amigny ranomasy, masaiky manahaky gny tagnan'olo." Dra namaly i Elia ho: "Mekara dra zakao amin'i Ahaba ho: 'Atovy vonona gny kalesinao dra mandehana melohanigny hanakanagny ora anao"'45Dra vetivety moza raha niha-mety gny raho vo gny rivosy gny lagnisy, dra nisy oram-be. Dra i Ahaba nitikisy kalesy dra niakasy nagnagny Jezirela, 46fa gny tagnan'i Yaveh dra nomba an'i Ahaba. Nisiky gny akazony teo amigny feho-troky izy dra nihazakazaky teo alohan'i Ahaba teo amigny fidira magnao Jezirela.
Chapter 19

1Nizakan'i Ahaba tamin'i Jezebela avokoa ze nataon'i Elia aby vo gny namonoany reo paminany aby tamigny sabasy. 2Dra Jezebela nandefa pinday hafasy tagny amin'i Elia, nizaka ho: "Hataon'ireo zagnahariko manihaky anie zay, mihoasy noho izay aza. raha sy hataoko hanahaky gny ainigny raky tamireo paminany ze maty raiky gny ainao maraindray amigny fotoa manahaky anizao." 3Gny fa ren'i Elia zay, dra nisanga izy dra lasa nienga namozy gny ainy dra nagnagny Beri-sheba, ze an'i Joda, dra nangany teo gny panopony.4Fa izy nandeha lalana ndraiky andro tagny agnefisy, dra avy nitoboky teo ambany hazo kifafavoninahisy. Nangataky gny ho maty izy, dra nanao ho: ''Ampy zay, akehitriny, ry Yaveh; Alao gny aiko, satria sy soa noho reo razambeko zaho.'' 5Dra nandry nisilany teo ambany kifafavoninahisy izy. Tapoky teo dra nisy azely nisapa anazy dra nizaka taminazy ho: ''Mifohaza dra mihinana.'' 6Nagnety i Elia, dra teo agnilan'ny lohany dra nisy mofo voaendy tamigny vato mafana vo rano raiky tavoara. Dra nihina vo nino izy dra nandry nisilany ndraiky.7Avy fagnindrony ndraiky gny azelin'i Yaveh, dra nisapa anazy dra nizaka ho: ''Miharegna dra mihinana, satria ho lava aminao gny lia.'' 8Dra nisanga izy dra nihina vo nino, dra nandeha tamigny hery azony tamin'izay sakafo zay mandrisy gny efapolo andro vo efapolo hariva ho agny Horeba, gny tendrombohisy Zagnahary.9Nandeha tao amigny zahy raiky tagny izy dra nitobokyu tao ami'zay. Dra avy tamigny gny zakan'i Yaveh dra nizaka taminazy ho: ''Ino gny ataonao ato, ry Elia?'' 10Elia namaly ho:'' Be zoto-po ho an'i yaveh Zagnahary tompon'ny maro zaho, satria fa nahafo gny fagnekenao gny olon'Israely, nandrava reo alitaranao, dra namono reo paminaninao tamigny sabatra. Akehitriny izaho, dra izaho raiky, gny sisa tavela dra mikasiky gny hofofo gny aiko koa izy reo.''11Yaveh namaly ho: ''Miboaky dra misanga eo amigny tendrombohisy eo alohako.'' Dra niriosy i Yaveh, dra nisy sioky mahery namaly gny tendrombohisy dra namaky reo vatolapy ho torotoro teo agnatrehan'i Yaveh, kanefa si tao agnatin'ny sioky i Yaveh. Dra tafaran'i sioky, dra nisy horohoron-tany avy, kanefa sy tao agnatin'ny horohoron-tany i Veh. 12Dra yafaran'ny horohoron-tany dra vay gny afo, kanefa sy tao agnatin'ny afo i yaveh. Dra tafaran'ny afo, dra nisy feo malefaky avy.13Gny ren'i elia gny feo, dra nitakonany tamigny lambany gny tavany, niboaky izy, dra nisanga teo amigny filiran'ilay zohy. Dra nisy feo avy taminazy nanao ho: ''Ino gny ataonao eto, ry Elia?'' 14Elia namaly ho: 'be zotom-po ho an'i Yaveh, Zagnahary tompon'ny maro zaho, fa gny olon'Isrealy nahafo gny fagnekenao, nandrava reo alitaranao, dra namono reo paminaninao tamigny sabatra. Akehitriny, izaho dra izaho raiky, gny sisa tavela dra mikasiky gny hifofo gny aiko izy reo.'''15Dra Yaveh nizaka taminazy ho: ''Mandehana, mihery amigny lalanao ho agny agnefis'i Damaskosy, dra gny fa avy agnuy hanao dra hanososy an'i Hazaela ho pazakan'i Asyria, 16Dra hanao honososy an'i Jeho zanaky lahin'i Nismy ho pazakan'ny Israely, dra hanao hanososy an'i elia zanaky lahin'i safata avy agny Abela-mehola ho paminany handimby gny fitobohanao.17Dra ami'zay dra havonon'i Jeho zay aby tagasoaky tamigny sabatr'i Hazaela, hovonon'i elia zay aby tafaenga amigny sabatr'i jeho. 18Kanefa zaho hagnenga olo fito arivo anahy agny Israely, reo zay nandohaliky dra sy niakohoky tamigny bala, vo reo vava zay sy bo nagnoroky anazy.''19Dra niala teo i Elia dra nahita an'i Elisa zanadahin'i Safata, ze niasa niaraky tamigny ziogan'agnomby ro ambiny folo nanoloa anazy, dra izy vatany avo gny niasa niaraky tamigny zioga faha-ro ambiny folo. Nisaky nagneo amin'i Elisa i Elia nanaro gny lambany taminazy. 20Boak'eo dra nandoa reo agnombiny i Elisa dra nihazakazaky nagneziky an'i Elia; hoy izy: "Angao re zaho hagnoroky gny rako vo gny reniko, dra hagnaraky anao zaho boak'eo." Dra hoy i Elia taminazy: "Miheregna moa, kanefa saigno ze fa nataoko taminao."21Dra nahery boak'agny amin'i Elia i Elisa dra nangalaky gny ziogan'agnomby, namono reo biby, dra nahandro gny hena tamigny hazo ziogan'agnomby, dra nameny gny olo zay dra nihina ereo. Boak'eo dra nisanga izy, nagnaraky an'i Elia dra nanopo anazy.
Chapter 20

1Namory gny tafiny hatambany i Beni-hidada oazakan'i Syria. Nisy pazaka masaiky ro amby telopo niaraky atminazy, dra sovala vo kalesa. Niakasy izy, nanao fahirano an'i Samaria vo nialy nanohisy anizay. 2Nandefa iraky nagnagny amigny tana ho an'i Ahaba pazakan'Israely izy, dra nizaka taminazy ho: "Izao gny zakan'i Beni-hadada ho: 3'Gny volafosinao vo gny volamenanao dra anahy. Reo valinao vo gny zanakao avo koa, reo soa indrindra, dra anahy amizao."'4Namaly gny pazakan'Israely dra nanao anizahoky ho: "Ho tateraky araky gny zakanao zay, ry pazaka, topoko. Izaho vo ze hanagnako aby dra anao." 5Avy ndraiky reo iraky dra nanao anizahoky ho: "Izao gny zakan'i Beni-hadada ho: "Nandefa zaka taminao zaho fa hanao dra sy maisy hanolosy gny volafosinao, gny volamenanao, reo valinao, dra reo zanakao ho anahy. 6Nefa hagniraky reo panopoko agny aminao zaho maraindray amigny ora manahaky anizao, dra hitalia gny tragnonao vo gny tragnon'ireo panoponao ereo. Hanambosy amigny tagnany ereo dra hangalaky anizay aby tianigny mason'ereo."'7Dra nitoka reo loholonigny tany aby niaraky gny pazakan'Israely dra nanao anizahoky ho: "Ba reso asorasy dra atio gny fomba hitaliavanity lelahy tiho olo. Fa nandefa zaka taminahy izy ba hangala reo valiko, reo zanako, dra gny volafosiko vo gny volamenako, dra sy bo nanda anazy zaho." 8Reo loholo aby vo gny vahoaky aby nizaka tamin'i Ahaba ho: "Ka miteno anazy na magneky anize fangatahany."9Dra hoy i Ahaba tamireo irak'i Beni-hadada ho: "Zakao gny pazaka topoko ho: 'Magneky gny raha aby ze nagnirahanao gny panoponao hatao tamigny volohany zaho, kanefa sy afaky hagneky ty fangataha faharo tihoky zaho.'" 10Dra lasa reo iraky dra ninday anizay zali-zaka zay teo amin'i Beni-hadada. Dra nandefa gny vali-zaka ho an'i Ahaba i Beni-hadada, dra nanao anizahoky ho: "Enga anie reo zagnahary hanao anizay aminahy dra mitenoa, raha ho apy hana eranigny tana boak'amigny lavenok'i Samaria reo vahoaky aby ze magnaraky anahy."11Namaly gny pazakan'Israely dra nanao anizahoky ho: "Zakao i Beni-hadada ho: 'Sy misy olo mametraky gny feliany, dra tokony hirehareha ho amigny nangalany anizay.'" 12Dra niteno anizay hafasy zay i Beni-hadada raha nino izy, dra izy vo reo pazaka ambaniny ze tao agnatinigny lain'ereo. Beni-hadada nandidy reo lelahiny ho: "Milahara ho amigny aly handrareo." Dra nagnoma gny zakan'ereo ho amigny aly ereo ba hamely gny tana.13Dra ingo, nisy paminany avy teo amin'i Ahaba pazakan'Israely dra nanao anizahoky ho: "Hoy i Yaveh: 'Fa hitanao ra ty tafiky lahibe tihoky? Ingo, hametraky anizay eo atagnanao zaho amizao, dra ho fatasao vatany fa Izaho gny Yaveh."' 14I Ahaba namaly ho: "Amigny alalan'iza?" Dra namaly Yaveh dra nanao anizahoky ho: "Amigny alalan'ireo tanora mana-pahefa ze manopo reo governoranigny distriky." Dra Ahaba nanao anizahoky ho: "Iza gny hanomboky gny aly?" Yaveh namaly ho. "Hanao." 15Dra nanambasy reo tanora mana-pahefa ze nanopo gny komandinigny isan'atokony i Ahaba. Niisa 232 ereo. Tafaran'ereo dra nanambasy reo maramila aby izy; gny tafik'Israely aby; niisa fito arivo.16Niboaky tamigny mitatao vovogna ereo. Beni-hadada dra fa avy nitoka dra nahamamo gny vatany tao an-daiky, izy vo reo pazaka masaiky ro amby telopolo ze nanohagna anazy. 17Reo tanora mana-pahefa ze nanopo gny komandinigny isan'atokony gny nandroso meloha. DRa napahalalan'ireo tily ze nirahiny i Beni-hadada ho: "Misy lelahy miboaky boak'ao Samaria."18Hoy i Beni-hadada ho: "Na tamigny filamina na tamigny aly gny niboahan'ereo, dra sambory velo ereo." 19Dra niboaky gny tana reo tanora mana-pahefa ze nanopo reo governoranigny isan'atokony dra nagnaraky anereo gny tafiny.20Namono gny fahavalony aby ereo dra nienga reo Syriana. Nagnitriky anereo gny Israely. Beni-hadada pazakan'i Syria koa nienga tamigny sovala niaraky tamireo pitikisy sovala ilany. 21Dra niboaky gny pazakan'Israely dra nanafiky reo sovala vo reo kalesy, dra namono reo Syriana tamigny famonoa lahibe.22Dra nagnato gny pazakan'Israely gny paminany dra nizaka taminazy ho: "Mandehana, atazaho gny vatanao, dra takaro vo omano ze ataonao, akory amigny heritao dra hiakasy hanohisy anao ndraiky gny pazakan'i Syria." 23Reo panoponigny pazakanigny Syria nizaka taminazy ho: :Gny zagnaharin'ereo dra zagnahary gny havoa. Izay gny atony napatazaky anereo hialy amin'ereo egny amigny lemaky, dra ho azo atoky fa ho fatrasy noho ereo isika.24Noho izay dra izao gny sy maisy ataonao: alao eo amigny toeranigny fahefany reo pazaka aby dra soloy pifehy maramila ereo. 25Manangana tafiky manahaky gny tafiky maty teo__sovala solonigny sovala dra kalesy solonigny kalesy__ba hahafahasika mialy amin'ereo egny amigny lemaky. Dra ho azo atoky fa hahery noho ereo isika." Dra niteno gny torohevis'ereo i Beni-hadada dra nanao ze natoron'ereo.26Tafaranigny fa fiatombohanigny taom-baovao, dra nanambasy ho agny Afeka ba hialy amin'Israely. 27Navory reo vahoak'Israely dra nivasia ba hialy amin'ereo. Nitoby teo anoloan'ereo manahaky gny andian'osy masaiky ro toko gny vahoakin'Israely, nefa reo Syriana nagneniky gny tany.28Dra nagnato mariny gny lelahin'Agnahary raiky dra nizaka tamigny pazakan'Israely ho: "Hoy Yaveh ho: 'Akory reo Syriana fa nizaka fa Yaveh dra zagnahary gny havoa, fa sy ba zagnaharin'ireo lohasaka tihoky, dra ho fatasao fa Izaho gny Yaveh."'29Dra nitoby nifanandrify reo tafiky nandrisy gny fito andro. Dra nanomboky gny aly tamigny andro fahafito. Namono Syriana pandeha atomboky 100. 000 gny vahoakin'Israely tagnatinigny andro eaiky. 30Gny sisa nienga tagny Afeka, tao amigny tana fito arivo vo ro aly ze tavela gny manda. Nienga i Beni-hadada dra nagnagny amigny tana, tagnaty efitragno raiky.31Nizaka taminazy reo panopon'i Beni-hadada ho: "Ingo, amizao, renay fa reo pazakanigny zanak'Israely dra pazaka pamindra fo. Ba angao re zahay hagnisy lamba fandala eo amigny valahanay vo taly eo amigny pazakan'Israely. Mety hamindra fo aminao angamba izy." 32Dra nisiky lamba fandala tegny am-balahany ereo dra boak'eo nagnagny amigny pazakan'Israely dra nanao anizahoky ho: "Beni-hadada panoponao nizaka ho: 'Ba angao re zaho ho velo.'" Hoy i Ahaba ho: "Bo velo ra izy? Rahalahiko izy."33Dra niteno ze ho famata boak'amin'i Ahaba reo lelahy, dra namaly anazymalaky ereo ho: "E, Beni-hadada rahalahinao dra velo." Dra hoy i Ahaba ho: "Mandehana dra andeso izy." Boak'eo dra avy teo aminazy i Beni-hadada, dra tafakasy tagny amin'i Ahaba tamigny kalesiny izy. 34Beni-hadada nizaka tamin'i Ahada ho: "Aheriko aminao reo tana ze nalanigny rako tamigny ranao, dra afaky manao fivarona ho anao agny Damaskosy hanao, manahaky gny nataonigny rako tagny Samaria." Namaly i Ahaba ho: "Angako handeha miaraky amity fifagneke-pihavana tihoky hanao." Dra nanao fifagneke-pihavana taminazy i Ahaba dra boak'eo nagnenga anazy handeha.35Nisy lelahy raiky, raiky amireo zanadahin'ireo paminany, nizaka tamigny raiky tamireo paminany namany tamigny zakan'i Yaveh ho: "Ba velezo zaho:" Saiky nanda gny hamaly anazy gny lelahy. 36Dra nizaka tamigny paminany namany gny paminany ho: "Akory hanao sy hakato gny feon'i Yaveh, dra raha vo magnenga anahy hanao, dra hisy liona hamono anao." Raha vo nagnenga anazy gny lelahy, dra nisy liona nisapy taminazy dra namono anazy.37Boak'eo dra nahita lelahy hafa raiky ndraiky gny paminany dra nizaka ho: "Ba veleso zaho." Dra namely anazy gny lelahy dra nandrasy anazy. 38Dra niala gny paminany dra niala gny paminany dra nandigny gny pazaka teo amoron-dala; nagnova gny endriny tamigny fotosy teo amigny masony izy.39Raha nandalo igny gny pazaka, dra nitoka fatrasy gny pazaka gny paminany dra nizaka ho: "Niboaky ho agny agnaty aly mangotraky gny panoponao, dra maramila raiky gny nanaka vo ninday fahavalo ho anahy dra nizaka ho: 'Jeriko ty lelahy tihoky. Raha sy hita amigny fomba aby izy, dra gny ainao gny hame ho solonigny ainy, na raha sy izay dra hagnenga taleta volafosy hanao.' 40Nefa akory gny panoponao dra bo rekisy tamigny fandehana esy sy teroa, dra nienga gny maramila fahavalo." Boak'eo dra nizaka taminazy gny pazakan'Israely ho: "Izao gny ho sazinao__gny vatanao zao mihisy gny fa nanapa-kevisy anizay.?41Dra nangalaky malaky gny fatosy tegny amigny masony gny paminany, dra fatasy gny pazakan'Israely fa raiky tamireo paminany izy. 42Hoy gny paminany tamigny pazaka ho: "Yaveh mizaka ho: 'Akory fa nanganao handeha avy teo atagnanao gny lelahy ze nididiko ho maty, dra gny ainao gny hisolo toera gny ainy, dra gny vahoakao ho solonigny vahoany."' 43Dra ory vo nasiaky fatrasy gny pazakan'Israely nagnagny atragnony, dra avy tagny nSamaria.
Chapter 21

1Fotoa siapy tatiky afara, nana tanivoloboky tao Jezirela i Nabota gny Jezirelita, teo agnilan'ny lapan'i ahaba, pazakan'i Samaria. 2Nizaka tamin'i Nabota i Ahaba i Ahaba nanao ho: ''Omeo anahy gny tanivolobokao, ba ho zaridaina legiomako zay, satria agnilan'ny tragnoko. Ho takalon'izay, homeko tanivoloboky soasoa kokoa hanao, na gny tianao, dra homeko vola sandan'izay hanao.3Nabota namaly an'i Ahaba ho: ''Ho raran'i Yaveh zale zay tokony lovan'ireo razambeko omeko anao.'' 4Dra nandeha tao amigny lapany tampahatezera dra hasoregna i Ahaba nohon'ny vali-zaka namen'i Nabota gny Jezerelita anazy ho: ''Sy homeko anao gny lovan'ireo razambeko.'' Nandry nisilagny teo am-pandriany izy, nagnodidy gny tavany, dra sy mety nihina-kany izy.5Jezebela valiny nagnao aminazy dra nanao taminazy ho: '' Nanaoakory gny malahelo loasy gny fonao, zay se gny sy hihinananao hany?'' 6Namaly anazy izy ho: ''Nizaka tamin'i nabota gny Jezirelita zaho dar nanao taminazy ho: ''Omeo anahy gny tanivolobokao atakalo vola, na gny tianao dre homeko tanivoloboky hafa hoa anao hanao.'' Dra namaly anahy izy ho: ''sy homeko anao gny tanivoloboko.''' 7Dra Jezebela valiny namaly ho: ''Fa sy bo manapaky gny fazakan'ny Israely se moa hanao? Misangana dra mihinana; aoka ho faly gny fonao. Halako hon'ao gny tanivolobok'i Nabota gny Jezirelita.'''8Dra i Jezebela nanorasy taratasy amigny agnaran'i Ahaba, nitombohiny tamigny tombo-kaseny izay, dra nalefany tagny ami'reo loholo vo reo panakarena zay nitoboky taminazy tao amigny fihogna, dra reo zay nitoboky agnilan'i Nabota zay. 9Nisoratiny tao amigny taratasy ho: ''Mizaka fifalia-kany dra atobeo agnabon'ny vahoaky i Nabota. 10Mametraky avo koa olo sy mary ro mindray aminazy dra aoka izy reo hiampaka anazy ho: ''Nagnozoan'i Zagnahary vo gny pazaka hanao.''' Dra aboaho izy dra toraho vato ho maty.11Dra nanao zay nifarifaritan'i Jezebela tamin'izy reo, araky gny voasorasy ao amigny taratasy zay nalefany ho anazy reo gny lelahin'ny tanany, reo loholona vo gny panakarena zay nitoboky tao amigny tanan'i Nabota.

12Nizaka fifadian-kina vo nametraky an'i nabota teo agnobon'ny vahoaky izy reo.
13Nilisy reo lelahy sy marina ro dra nitoboky teo alohan'i Nabota; niampanga an'i Nabota teo amigny fagnatrehan'ny Nabota izy reo, dra nanao ho: ''nagnozo ani Zagnahary vo gny pazaka i Nabota.'' Dra nandesin'izy reo niboaky gny tana izy dra nitorahi-vato ho maty. 14Avy ei dra loholona dra nandefa zaka ragny amin'i Jezebela nanao ho: '' Nitorahi-vato i Nabota dra maty.''15Dra gny ren'i jezebela fa nitorotoro-vato i Nabota dra maty, dra hoy izy ramin'i Anaba: ''Misangana dra alao ho fanagna gny tanivolobok'i Nabota gny Jezirelita, zay nanda gny hagnome anao gny vola ho sandany, satria fa sy velo sasy i Nabota, kay fa maty.'' 16Gny fa ren'i Ahaba fa maty i Nabota, dra nisanga izy dra nizoso tagny amigny tanivolobok'i Nabota gny Jezirelita nangalaky zay ho fanagna.17Dra avy tamin'i Elia gny Tisbita gny zakan'i Yaveh manao ho: 18''Misangana dra mandehana mihaona amin'i Ahaba pazakan'Israely, zay mitoboky agny Samaria. Ao amigny tanivolobok'i Nabota izy, agny amin'izay nandehanany ba sy halany ho fanagna.19Sy maisy mizaka aminazy hanao dra zakao ho izao gny lazan'i Yaveh: Sady fa nagnova se hanao gny ba nangalaky ho fanagnanao avo koa?'' Dra hozakanao anazy ho izao gny lazan'i yaveh:'' Eo amigny toera zay nilelarin'ny amboa gny ran'i Nabota, gny nilelaran'ny amboa gny lionao koa, egny gny lionao.''' 20Hoy i Ahaba tamin'i Elia: ''dra nahita anahy hanao, ry fahavaloko:'' dra namaly i Elia ho: ' fa hitako hanao, satria fa namarosy gny tegnanao ba hanao zay rasy eo amason'i Yaveh hanao.21Izao gny zakan'i Yaveh aminao: ''Ingo, hinday loza eo aminao vo hanola tanteraky dra mahongosy eo aminao gny zanaky lahy lelahy aby vo gny andevo dra gny lelahy afaky ao Israely zaho. 22Hataoko manahaky gny fianakavin'i Jeroboama zanaky lahin'i Nebata gny fianakavianao, dra manahaky gny fianakavian'i Basa zanaky lahin'i Ahia, satria nihasy anahy tamigny fahatezera dra ninday an'ny Israely hanota hanao.''23Yaveh avo koa dra nizaka momban'i jezebela ho: ''Hihina an'i Jezebela eo agnilan'i mandan'i Jezirela gny momba.'' 24Izay an'i Ahaba aby dra maty tao atana, dra hohanin'ny amboa; dra reo voro egny amigny lagnisy hihina reo aby zay maty egny asaha.'''25Sy nisy olo manahaky an'i Ahaba, zay namarosy gny vatany ba hanao zay rasy eo amason'i Yaveh, zay napirisihin'i Jezebela valiny hanota. 26Nanao asa vetaveta ho an'ny sampy orihiny i Ahaba, manahaky zay aby fa nataon'ireo Hamorita, reo zay nalan'i Yaveh teo agnatrehan'ny olon'Israely.27Gny fa ren'i Ahaba reo zaka reo, dra naniasy gny akazon'ny izy dra nanao akazo fisogna dra nifaly hany, dra nandry tamigny akazo fisogna vo tena nanahelo fatrasy. 28Dra avy tamin'i Elia gny Tisbita gny zakan'i yaveh ho: 29Hitanao se gny fagnetre-tegnan'i Ahaba eto agnatrehako? satria gny vatany eto agnatrehako izy, dra sy hinday gny loza fa ho avy ami'reo androany zaho; amigny andron'ny zanany lelahy gny handesako loza eo amigny fianakaviany.'''
Chapter 22

1Nandrisy gny telo tao lasa dra sy nisy aly teo amin'i Arama vo i Isrealy. 2Dra tamigny tao fahatelo, dra nizoso tagny amigny pazakan'i Isrealy i Josafata pazakan'i Joda.3Dra gny pazakan'i Israely dra fa nizaka tamigny panopony ho: "Ba fatandrareo ra fa Ramota-gileada dra asika, saiky sy manao na ino na ino isika ba hangala anizay eo atagnan'i pazakan'i Arama?" 4Dra hoy izy tamin'i Josafata: "Hindray aminahy hialy agny Ramata-gileada ra hanao?" Josafata namaly gny pazakan'i Israely ho: "Izaho dra manahaky anao, dra reo sovalako dra manahaky reo sovalanao."5Hoy i Josafata tamigny pazakan'Israely ho: "Mitaliava re tari-dala avy amigny zakan'i Yaveh gny amizay tokony hataonao volohany." 6Dra napivory reo paminany niaraky gny pazakan'i Israely, lelahy efazato, dra zakao ereo ho: "Tokony ho agny Ramota-gileada ra zaho ba hialy, sa sytokony? Dra hoy ereo ho: "Manafiha, fa gny topo hagnome anizay ho eo atagnanygny pazaka."7Fa hoy i Josafata ho: "Sy misy paminanin'Agnahary hafa zemety hahazoasika hevisy sasy ra eto?" 8Dra hoy gny pazakan'Israely tamin'i Josafata ho: "Bo misy lelahy raiky mety hahazoasika hevisy avy amin'i Yaveh ba ho fagnapia, Mikaia zanadahin'i Jimai, saiky halako izy akory sy ba maminany raha soa mahakasiky anahy, fa loza avo." Fa hoy i Josafata ho: "Sy hizaka zay anie gny pazaka." 9Dra nitoka manapahefa raiky gny pazakan'i Israely dra nagnome baiko ho: "Andeso atiky i Mikaia zanadahin'i Imla, zao dra zao."10Dra i Ahaba pazakan'Israely vo i Josafata pazakan'i Joda dra samy nipetraky tamigny seza fiandriana aby, nekazo gny akaon'ereo, teo amigny toera malalaky teo amigny fidiranigny vavahadin'i Samaria, dra reo paminany aby dra naminany teo alohan'ereo. 11Zedekia zanadahin'i Kenana vatany dra nanao tandroky vy dra nizaka ho: "Izao gny voazakan'i Yaveh: 'Amitahoky gny hanotoanao Syriana mandra-paharingany."' 12Dra gny paminany aby naminany nitovy, nanao anizahoky ho: "Tafiho Ramota-gileada dra mahazoa fandresena, fa i Yaveh fa nanolosy anazy ho eo atagnanigny pazaka."13Gny pinday hafasy ze nandeha nitoka an'i Mikaia nizaka taminazy, nanao anizahoky ho: "Ingo, amizao, gny zakan'ireo paminany dra magnambara raha soa ho anigny pazaka tamigny vava raiky. Aoky re gny zakanao ba hanahaky gny raiky amireo dra mizaka raha soa." 14Dra namaly Mikaia ho: "Raha bo velo koa i Yaveh, dra ze zakan'i Yaveh aminahy gny ho pazaka izy, dra hoy gny pazaka taminazy ho: " 15Gny fa avy teo amigny pazaka izy, dra hoy gny pazaka taminazy ho: "Ry Mikaia, tokony handeha hialy agny Ramota-gileada ra zahay, sa sizy?" Mikaia namaly anazy ho: "Manafiha dra mabrese. Hanolosy anazy ho eo atagnanigny pazaka i Yaveh."16Dra hoy gny pazaka taminazy ho: "Ipiry moa zaho gny nitalia anao hianiagna ba sy hizaka na ino na ino aminahy amigny agnaran'i Yaveh afa-sy gny mary avo?" 17Dra hoy i Makaia ho: "Hitako niely tegny an-tendrombohisy gny Israely aby, manahaky gny agnondry sy misy piamby, dra Yaveh nanao anizahoky ho: 'Sy mana piamby reo. Aoky gny lelahy sirairay holy soa ama-sara agny atragnony."'18Dra hoy gny pazakan'Israely tamin'i Josafata ho: "Sy fa nizaka taminao ra zaho fa sy mety maminany raha soa mahakasiky anahy izy, fa loza avo?" 19Dra hoy Mikaia ho: "Noho izay tenoy gny zakan'i Yaveh: nahita an'i Yaveh nipetraky teo amigny seza fiandrianany zaho, dra reo maramilanigny lagnisy aby dra nizoro teo agnilany teo akavanany vo teo akaviany. 20Hoy i Yaveh ho: "Iza gny hitao an'i Ahaba, ba hiakasy izy dra ho lavo agny Ramota-gileada?' Gny raiky tamin'ereo nizaka anizao dra gny raiky hafa nizaka anizao.21Boak'eo dra nisy fagnahy raiky nagnato, nizoro teo anoloan'i Yaveh, dra nanao anizahoky ho: 'Izaho gny hitao anazy .' Draa hoy Yaveh taminazy ho: 'Amigny fomba akory?' 22Dra namaly gny fagnahy ho: 'Hiboaky zaho dra ho fagnahy mavandy eo am-bavan'ireo paminany aby.' Yaveh namaly ho: 'Hahatao anazy hanao, dra hahomby avo koa. Ko mandehana dra atovy zay.' 23Dra ingo, Yaveh nametraky fagnahy mavandy teo am-bavan'ireo paminaninao aby reo, dra Yaveh fa nizaka ho anao."24Dra Zedekia zanadahin'i Kenana, niakasy, namelaky gny takolan'i Mikaia, sady nanao anizahoky ho: "Teza gny lalanigny fagnahin'i Yaveh niala ba hizaka aminao?" 25Dra hoy i Mikaia ho: "Ingo, ho fatasao zay amizay andro zay, gny fa milisy gny efisy agnatiny ba hivony hanao."26Hoy gny pazakan'Israely tamigny panopony ho: "Sambory Mikaia dra andeso agny amin'i Amona, gny governoranigny tana, dra agny amin'i Joasy, zanadahiko. 27Zakao izy ho: 'Apidiro apoza ty lelahy tihoky hoy gny pazaka, dra fahano mofo kely vo rano kely avo izy, mandra-pahaviako soa ama-sara. 28Dra hoy i Mikaia ho: "Raha tahy dra tafahery soa amasa-sara hanao, dra sy napizakan'i Yaveh zaho sy akory." Dra napiany ho: "Tenoy zay, ry vahoaky aby."29Dra niakasy ho agny Ramota-gileada i Ahaba, pazakan'Israely. vo Josafata, pazakan'i Joda. 30Gny pazakan'i Israely nizaka tamin'i Josafata ho: "Hanao olo-kafa zaho dra hirosaky ao agnaty aly, fa hanao koa hagnisy gny akazonigny pazaka avo." Dra nanao sary olo-hafa gny pazakan'Israely dra nirosaky tagny agnaty aly.31Dra nandidy gny Kapiteninigny kalesiny ro amby telopolo gny pazakan'i Syria, nanao anizahoky ho: "Ka manafiky gny maramila kely na lahibe. Fa gny pazakan'i Israely avo gny tafiho." 32Dra gny nahita an'i Josafata reo kapiteninigny kalesy dra nanao anizahoky ho: "Igny vatany gny pazakan'i Isrealy." Nihody ereo ba hamely anazy, dra niasoaso fatrasy i Josafata. 33Dra gny fa hitan'ireo pifehy gny kalesy fa sy igny gny pazakan'i Israely, dra nihery tamigny fagnezeha anazy ereo.34Fa nisy lelahy raiky nandefa gny zana-sipiky kitoatoa dra nahavoa gny pazakan'Isrealy teo agnelagnelan'ireo fiarova-tratrany. Dra i Ahaba nizaka tamigny pamarosy gny kalesiny ho: "Mihodidy dra andeso miboaky gny aly zaho, fa narasy fatrasy zaho."35Nihafatrasy gny aly tamizay andro zay dra gny pazaka dra nitihagna hisanga tao amigny kalesiny nagnatriky gny Syriana. Maty izy nony hariva. Nizininiky boak'eo amigny rasiny dra hatragny amigny voli-kalesy gny lio. 36Dra nony fa hiletiky gny masoandro, dra nisy asoasoa fatrasy nanera gny tafiky, nanao anizahoky ho: "Samia moly agny amigny tanany aby gny lelahy; dra samia moly agny amigny faritaniny aby gny lelahy aby!"37Dra maty i Ahaba pazaka dra nandesy tagny Samaria, dra nalevin'ereo tao Samaria izy. 38Nisasan'ereo teo amigny farihin'i Samaria gny kalesy, dra nilefinigny amboa gny liony (teo gny fandron'ireo apela zanga), araky ze fa nambaranigny zakan'i Yaveh.39Dra gny raharaha hafa mahakasiky an'i Ahaba, vo ze nataony ahy, gny tragno ivory ze naoriny, dra reo tana aby ze naoriny, moa ra sy fa voasorasy ao amigny bokinigny tataranigny pazakan'Israely reo? 40Dra nimaty tagny amireo razambeny i Ahaba, dra i Ahazia zanadahiny gny lasa pazaka nandimby gny toerany.41Dra i Josafata zanadahin'i Asa nanomboky nazaka nanera an'i Joda tamigny tao faha-efasy nazakan'i Ahaba pazakan'Israely. 42Dimy amby telopolo tao i Josafata gny nanomboky nazaka, dra nazaka tao Jerosalema nandrisy gny dimy amby ropolo tao izy. Azoba gny agnaran-dreniny, gny zanakapelan'i Silo.43Nagnaraky gny fomban'i Asa rany izy; sy niala tamireo izy; nanao ze mary teo amason'i Yaveh izy. Kanefa gny toera abo dra sy ba niravany. Fa gny vahoaky bo nanao soro vo nagnoro liti-kazo magnisy teo amireo toera abo avo. 44Dra i Josafata nihava tamigny pazakan'i Israely.45Dra gny raharaha hafa mahakasiky an'i Josafata, vo gny hery ze nasehony, dra gny fomba nialiany, moa ra reo sy fa voasorasy ao agnatinigny bokinigny tatarany pazakan'i Joda? 46Nalany teo amigny tany reo sisa tavela tamigny olo nanolo-tegna hizangazanga ho fanopoa-sapy ze bo tamigny andron'i Asa rany. 47Sy nisy pazaka tao Edoma, fa olo voatendry gny nintondra tao.48Josafata nanao sambo fitatera an-dranomasy; nandeha nagnagny Ofira ereo hangalaky volamena, kanefa sy lasa akory nikaso tao Ezian-gebera reo sambo. 49Dra hoy Ahazia zanadahin'i Ahaba tamin'i Josafata ho: "Aoky ba hindray sambo amigny panoponao gny panopoko." Fa i Josafata vsy nagnenga anizay. 50Nimaty tagny amireo razambeny i Josafata dra nalevy niaraky tamin'ereo tao atanan'i Davida, razambeny; dra Jerohama zanadahiny gny lasa pazaka nandimby gny toerany.51Ahazia zanadahin'i Ahaba dra nanomboky nazaka nanera an'Israely tagny Samaria tamigny tao faha-fito ambiny folo nazakan'i Josafata pazakan'i Joda, dra nazaka ro tao teo amin'i Israely izy. 52Nanao rasy teo amason'i Yaveh izy dra nagnaraky gny fombanigny rany, tamigny fombanigny reniny, dra tamigny fomban'i Jeroboama zanadahin'i Nebata, ze nitarihiny gny Israely hanota. 53Nanopo an'i Bala vo nivavaky taminazy izy dra nanao ze nahaory an'i Yaveh, gny Agnaharin'Israely, manahaky gny fa nataon-drany avo.

2 Kings

Chapter 1

1Tafaranigny nahafatesan'i Ahaba dra nikomy hanohisy an'Israely i Moaba. 2Dra nikarapoky teo amigny makarakara tao amigny efitragnony ambony tao Samaria i Ahazia, dra narasy. Dra nalefany reo pitondra gny hafany dra hoy izy tamin'ereo ho: "Mandehana, magnotania an'i Bala-zeboba, Zagnaharin'i Ekrona, raha ho sitrany amity atrako tihoky zaho."3Fa gny ajelin'i Yaveh nizaka tamin'i Elia Tisbita ho: "Mandeha, mekara hihaona amireo pinday gny hafany gny pazakan'i Samaria, dra agnotanio amin'ereo ho: 'Satria ra sy misy Zagnahary ao Israely gny handeha hangalaky hevisy agny amin'i Bala-zeboba, zagnaharin'i Ekrona hanao? 4Noho zay dra hoy i Yaveh ho: "Sy hizisoboak'eo amigny fandrianao ze fa nekaranao hanao; fa koa, ho maty vatany hanao."" Boak'eo dra lasa i Elia.5Gny fa nihery tagny amin'i Ahazia reo pinday hafasy, dra hoy izy tamin'ereo ho: "Fa nagnino handrareo gny nihery?" 6Hoy ereo taminazy: "Nisy lelahy raiky nihaona taminay nizaka ho: 'Miheregna agny aminigny pazaka ze nandefa andrareo, dra zakao anazy ho: "Zao gny zakan'i Yaveh: 'Akory ra sy misy Zagnahary gnam'i Israely ao gny nadefa gny olo hangalaky hevisy agny amin'i Bala-zeboba, zagnaharin'i Ekrona hanao? Dra noho zay dra fa hizoso boak'eo amigny fandrinao ze fa niakaranao hanao; fa koa, ho maty vatany hanao.""'7Ahazia nizaka tamireo pandefa gny hafany ho: "Lelahy manahaky gny aniza, ze olo nihaona tamindrareo dra nizaka reo zaka reo zay?" 8Izy reo namaly anazy ho: "Nekazo vita amigny volo izy dra fehi-troky hodisy teo amigny andilany." Dra gny pazaka namaly ho: "Elia Tisbita zay."9Dra nandefa kapiteny miarak'amigny maramila dimapolo ho agny amin'i Elia gny pazaka. Niakasy tagny amin'i Elia ze nitoby tagny atapo-kavoa gny kapiteny. Hoy gny kapiteny taminazy ho: "Ino, ry lelahin'Agnahary , nizaka gny pazaka ho: 'Mizosoa."' 10Elia namaly dra nizaka taminigny kapiteny ho: "Raha lelahin'Agnahary zaho, aoky hilasaky boak'egny amigny lagnisy gny afo dra handevon'anao vo reo dimapolo lahinao." Dra nilasaky boak'egny amigny lagnisy gny afo dra nandevon'anazy vo reo dimapolo lahiny.11Nandefa kapiteny hafa ndraiky nindray tamireo maramila dimapolo ho agny amin'i Elia i Ahazia pazaka. Hoy koa ze kapiteny zay tamin'i Elia ho: "Hanao, ry lelahin'Agnahary, nizaka gny pazaka ho: 'Mizosoa malaky."' 12Elia namaly dra nizaka tamin'ereo ho: "Raha lelahin'Agnahary zaho, aoky hilasaky boak'egny amigny lagnisy gny afo dra handevon'anao vo reo dimapolo lahinao." Dra nilasaky boak'egny amigny lagnisy ndraiky gny afon'Agnahary dra nandevon'anazy vo reo dimapolo lahiny.13Bo nandefa vondro pialy dimapolo fagnitelony ndraiky gny pazaka. Niakas'io kapiteny io, nandohaliky teo anoloan'i Elia izy, dra nengavy anazy vo nizaka taminazy ho: "Hanao, ry lelahin'Agnahary, mangataky aminao zaho, aoky ho sarobily eo amasonao gny aiko vo gny ainigny panoponao dimapolo tahoky. 14Eh vatany, nilasaky boak'egny amigny lagnisy gny afo dra nandevy reo kapiteny rolahy volohany mbamin'ireo lelahiny, fa amizao aoky ho sarobily eo amasonao gny aiko."15Dra gny azelin'i Yaveh nizaka tamin'i Elia ho: "Mizosoa mindray aminazy. Ka matahosy anazy." Dra nisanga Elia dra nizoso nindray taminazy ho agny amigny pazaka. 16tafara kelin'izay dra hoy Elia tamin'i Ahazia ho: "Zao gny nizakan'i Yaveh: 'fa nandefa pinday hafasy hangalaky hevisy tagny amin'i Bala-zeboba, zagnaharin'i Ekrona hanao. Akory ra sy misy Zagnahary ao am'Israely ze afaky angatahinao fapahafatara? Ko amizao, sy hizoso boak'eo amigny fandria ze nekaranao hanao; fa ho maty vatany hanao."'17Dra maty araky gny zakan'i Yaveh ze nizakan'i Elia i Ahazia pazaka. Jorama gny nanomboky nazaka teo amigny toerany, tamigny taona faharo nazakan'i Jehorama zanak'i Josafata pazakan'i Joda, akory sy nanagnanaky i Ahazia. 18Dra gny amireo raharaha hafa mahakasiky an'i Ahazia, moa sy fa voasorasy ao amigny bokinigny tatanany pazakan'Israely ra zay?
Chapter 2

1Dra gny fa handeha hapiakasy an'i Elia tamigny tafio-drivosy ho agny an-dagnisy i yaveh, dra niala tao Gilgala nindray tamin'i Elisa i Elia. 2Hoy i Elia tamin'i Elisa: "Ba mizanogna eto re, akory fa nagniraky anahy ho agny Betela i Yaveh." Namaly Elisa ho: "Raha bo velo koa i Yaveh, dra raha bo velo koa hanao, dra sy hagnenga anao zaho." Dra nizoso tagny Betela ereo.3Nagnagny amin'i Elisa reo zanaky gny paminany ze tagny Betela dra nizaka taminazy ho: "Fatasao ra fa hangalaky gny toponao aminao i Yaveh androany?" Namaly Elisa ho: "E, fataso zay, fa ka mizaka momba anizay sasy. "Eliza, ba mandignisa eto re, akory fa nagniraky anahy ho agny Jeriko i Yaveh." Dra namaly Elisa ho: "Raha bo velo koa i Yaveh, dra raha bo velo koa hanao, dra sy hagnenga anao zaho." Dra nandeha tagny Jeriko ereo.5Dra nagnagny amin'i Elisa reo zanaky gny paminany ze tagny Jeriko dra nizaka taminazy ho: "Fatasao ra fa hangalaky gny toponao aminao i Yaveh androany?" Dra namaly Elisa ho: "E, fatako zay, fa ka mizaka momba anizay sasy." 6Dra hoy Elia taminazy: "Ba mizanogna re, fa Yaveh fa nagniraky anahy ho agny Jordana." Namaly Elisa ho: "Raha bo velo koa Yaveh, dra raha bo velo koa hanao, dra sy hagnenga anao zaho." Dra nandeha ereo ro.7Tafarakelin'izay, nisy dimapolo tamireo zanaky gny paminany nisanga nifagnatriky tmin'ereo lavisegny raha nisanga teo amoron'i Jordana ereo ro. 8Nalan'i Elia gny lambany, nahorongorony, dra nikapohiny tamizay gny rano. Nizara tamigny lafiny ro gny renirano dra nandeha tamigny tany maiky ereo ro.9Dra gny fa nisaky ereo, dra hoy Elia Tamin'i Elia: "Angataho aminahy ze tokony hataoko ho anao melohanigny hangalan'abahy aminao." Namaly Elisa ho: "Aoky re ba ho aby aminahy gny avo ro heninigny azara fagnahinao." 10Namaly Elia ho: "Fa nangataky raha sarosy hanao. Na izay aza, raha hitanao zaho gny fa alan'aminao, dra hitranga aminao zay, fa raha sizy, dra sy hitranga zay."11Raha bo nandeha vo nizaka ereo, indro, nisy kalesy afo vo sovala afo niseho, ze nagnasaraky anereo ro lahy, dra niakasy tamigny tafi-drivosy tagny an-dagnisy i Elia. 12Nahita anizay Elisa dra nikioky fatrasy ho: "Rako o, rako o, reo kalesan'Israely vo reo pitikisy anizay!" Sy hitany sasy i Elia, dra nihazogniny reo akazony dra nitriatiny ro reo.13Nalany gny lamban'i Elia zay lasaky boak'egny aminazy, dra nihery ba hizoro teo amoron'i Jordana izy. 14Nizerany tamigny lamban'i Elia ze lasaky gny rano dra hoy izy: "Eza i Yaveh, zagnaharin'i Elia?" Gny fa nazera gny rano dra nisaky i Elisa.15Gny fa hitan'ireo zanaky gny paminany zay boak'agny Jeriko teo apitan'ereo izy, dra hoy ereo: "Mitoera ao amin'i Elisa gny fagnahin'i Elia!" Dra avy ba hisena anazy ereo, dra nekohoky taminigny tany teo agnatrehany. 16Hoy ereo taminazy: "Indro amizao, misy lelahy mahery dimapolo eo amireo panoponao. Angao ereo handeha, mangataky zahay, ba hitalia gny toponao, soa dra napekary vo narianigny fagnahin'i Yaveh agny amigny tendrombohisy na agny amigny lohasaka izy." Namaly Elisa ho: "Aha, ka magniraky anereo."17Nefa gny fa napirisiky an'i Elisa mandra-pahamegnasy anazy ereo, dra hoy izy: "Iraho ereo." Dra nagniraky lelahy dimapolo ereo, dra nitalia nandrisy gny telo andro ereo, kanefa sy nahita anazy. 18Nihery tagny amin'i Elisa ereo, raha nitoby tao Jeriko izy, dra hoy izy tamin'ereo: "Sy nizaka tamindrareo ra zaho ho: 'Ka mandeha'?"19Reo olony gny nizaka tamin'i Elisa ho: "Ingo, mengavy anao zahay, gny raha-misy eto amity tana tihoky dra mahafinarisy, araky zao hitanigny topoko zao, nefa rasy gny rano dra sy mamokasy gny tany." 20Namaly Elisa ho: "Indeso lovia vaovao zaho dra asio sira ao agnatiny," dra ninday anizay teo aminazy ereo.21Niboaky nagnagny amigny loharano Elisa dra nagnary sira tao agnatin'izay; dra hoy izy ho: "Zao gny zakan'i Yaveh: 'Fa nagnasitrany reo rano reo zaho. Manomboky amizao fotoa zao, dra sy hisy fahafatesa na tany sy mahavokasy sasy.'" 22Ko dra sitrany reo rano mandraka androany, tamigny alalanigny zaka ze nizakan'i Elisa.23Dra niakasy boak'ao ho agny Betela Elisa. Gny fa niakasy gny lalany izy, dra nisy tovolahy niboaky gny tana dra nanevateva anazy; hoy ereo taminazy: "Mekara, hanao ry Solaloha! Mekara, hanao ry solaloha!" 24Nagnety tany afarany Elisa dra nahita anereo; nitoka an'i Yaveh izy ba hagnozon'anereo. Dra nisy beravava reo niboaky boak'ao agnala dra nandrasy ro amby efapolo tamireo tovolahy. 25Dra niala teo ho agny atendrombohisy Kermela i Elisa, dra boak'eo gny niheregnany ho agny Samaria.
Chapter 3

1Tamigny taona fahavalo ambiny folo nazakan'i Josafata pazakan'i Joda, gny nanomboky nazaka teo amin'Israely tao Samaria i Jorama zanadahin'i Ahaba; nazaka nandrisy gny ro ambiny folo tao izy. 2Nanao ze rasy teo amason'i Yaveh izy, fa sy ba manahaky gny rany vo gny reniny; fa nalany gny sangam-bato masy an'i Bala ze namboarinigny rany. 3Na izay aza dra nihazo reo fahotan'i Jeroboama zanadahin'i Nebata izy, ze napanota an'i Israely, sy nivily tamizay izy.4Dra i Mesa pazakan'i Moaba dra niopy agnondry. Sy maisy nagnome zanak'agnondry 100.000 vo volon'agnondry lahy 100.000 ho anigny pazakan'Israely izy. 5Fa tafaranigny nahafatesan'i Israely gny pazakan'i Moaba. 6Dra nagnenga an'i Samaria i Jorama pazaka tamizay fotoa zay ba haneta gny Israely aby ho amigny aly.7Nandefa hafasy tamn'i Josafata pazakan'i Joda izy, nizaka ho: "Fa nikomy hanohisy anahy gny pazakan'i Moaba. Handeha hiaraky aminahy hifanandry amin'i Moaba ra Hanao?" Namaly i Josafata ho: "Handeha zaho, manahaky anao avo zaho, gny oloko dra manahaky gny olonao, reo sovalako dra manahaky reo sovalanao." 8Dra nizaka izy boak'eo ho: "Amigny lalan-eza gny tokony hanafihasika?" Namaly i Josafata ho: "Amigny lala mamaky gny efis'i Edoma."9Dra nandeha nihodidy nandrisy gny fito andro reo pazakanIsraely, Joda, dra Edoma. Sy nahita rano ho anigny tafik'ereo, gny ho an'ireo sovalany vo reo biby hafa. 10Ko nizaka gny pazakan'Israely ho: "Fa ino tiky? Moa ra niaso pazaka telo hanolosy ho eo atagnan'i Moaba i Yaveh?"11Kenefa nizaka i Josafata ho: "Sy misy paminanin'i Yaveh ra gneto, hahafahasika mangalaky torohevisy amin'i Yaveh amigny alalany? Dra namaly gny raiky tamigny panoponigny pazakan'i Israely nanao anizahoky ho: "Eto i Elisa zanadahin'i Safata, ze nandraraky rano teo atagnan'i Elia." 12Hoy i Josafata: "Momba anazy gny zakan'i Yaveh." Dra nizoso nagnagny aminazy, i Josafata, pazakan'Israely, dra gny pazakan'i Edoma.13Hoy i Elisa tamigny pazakan'Israely: "Pifagnino moa zaho vo hanao? Mandehana magnagny amireo paminany gny ranao vo gny reninao." Dra nizaka taminazy gny pazakan'Israely ho: "Aha, akory i Yaveh nitoka ty pazaka telo tahoky nindray ba hanolosy anazy ho eo atagnan'i Moaba." 14Namaly i Elisa: "Raha bo velo koa i Yaveh toponigny maro, ze eo agnatrehany gny hijoroako, raha sy nohonigny fagnazako gny fagnatrehan'i Josafata pazakan'i Joda, dra sy niteno anao zaho, na nagnety anao akory.15Fa amizao hindeso pitendry raha-magneno zaho." Dra gny fa nitendry gny pitendry lokanga, dra avy teo amin'i Elisa gny tanin'i Yaveh. 16Nizaka izy ho: "Zao gny nambaran'i Yaveh, 'Fenoy haly kely io lohasahan-driaky maiky io.' 17Fa hoy i Yaveh: 'Sy hahita rivosy hanao, na ora, fa ho dibo-drano io lohasaha-driaky io, dra hino handrareo, hatrareo vo gny biby tezandrareo vo gny bibindrareo aby.'18Zay dra raha mora eo amason'i Yaveh. Hagnome andrareo fandrese eo amireo Moabita avo koa Izy. 19Hanafiky gny tana voaaro fatrasy vo tana soa aby handrareo, hanapaky gny hazo soa aby, hagnazano gny loharano aby, dra handrava reo tany soa aby amigny vato."20Ko tamigny maray nagnodidy gny fotoa fanolora gny soro, dra nisy rano nikoria boak'agny Edoma; dibo-drano gny tany.21Dra nony nahare reo Moabita aby fa avy hialy aminazy reo pazaka, dra nindray nivory ereo, reo aby ze afaky nanao akazo ferova, dra nisanga teo amigny sisi-tany ereo. 22Nifoha maray ereo dra gny masoandro nitarasy teo aminigny rano. Nony nahaita gny rano teo apitany reo Moabita, dra niloko mena manahaky gny lio zay. 23Nihoraky fatrasy ereo ho: "Lio io! Tena ringa vatany reo pazaka, dra nifamono ereo! Amizao ary, ry Moaba, andeha sika handroba anereo!"24Nony nagnagny amigny tobin'Israely ereo, nanapoky reo Israelita ereo dra nanafiky reo Moabita, ze nienga teo agnatrehany. Nitarihinigny tafik'Israely nanera gny tany reo Moabita, dra nivonon'ereo. 25Nioitehiny reo tana, dra gny velara-tany soa aby dra nifafazanigny lelahy aby vato mandra-paharakosy zay. Nitapenan'ereo gny loharano aby, nikapain'ereo gny hazo soa aby. Dra kiraharesa sisa gny tavela sy nihesiky gny vatony. Fa nididin'ireo maramila pita asamotaly zay dra nitafihiny.26Nony hitan'i Mesa pazakan'i Moaba fa resy agnaly izy, dra nangalaky pita mesa fitozato nindray taminazy izy hanafiky gny pazakan'i Edoma, kanefa sy nahomby ereo. 27Dra nalany gny zanany lahitoka ze tokony nazaka nandimby anazy, dra natolony ho fagnatisy oroa teo agnabonigny manda izy. Dra nisy hatezera lahibe nihasy tamin'Israely, dra nagnenga an'i Mesa pazaka gny tafiky gny Israely dra noly tagny amigny taniny.
Chapter 4

1Dra gny valinigny rany tamireo zanaky gny paminany avy nitomagny tamin'i Elisa, nanao anizahoky ho: "Maty gny valiko gny panoponao, dra fataso fa gny panoponao dra natahosy an'i Yaveh. Amizao gny pamindram-bola dra avy hangalaky reo zanako ro ba ho panopony," 2Dra hoy i Elisa taminazy: "Ino gny azoko atao honao? Zakao anahy ino aby gny hanagnanao ao atragnonao?" Dra hoy izy: "Sy mana na ino na ino afa-sy dililo tavoara raiky gny panoponao ao atragno."3Dra hoy i Elisa: "Mandehana mindra siny agny amireo piray vodirindrin'aminao, siny sy misy na ino na ino." Farak'ze besaky hindramy. 4Boak'eo dra sy maisy midisy ao agnatiny hanao dra mirindrym-batrangara ao hanao vo reo zanakao lahy, dra mandraraha dililo ao amigny siny aby; dra atokano reo siny ze feno."Dra nagnenga an'i Elisa izy dra nadridrivatrangara izy sy ereo zanany lelahy. Nizaka ereo tao aminy ereo siny, dra nifenony dililo ereo. 6Raha feno gny siny, dra hoy izy tamin'ereo zanany: ''Hinday siny hafa zaho.'' Fa hoagny gny zanany taminy: ''Sy misy siny sasy.'' Dra sy niraraky sasy gny dililo7Dra avy izy dra nizaka tamigny lelahin'i Zagnahary. Hoy izy ho: ''Mandehana, varoty gny dililo; aloavo gny trosanao, dra hivelomy miaraky amin;ereo zanakao lelehy gny amby.''8Ndray andro i Elisa nandeha tagny Sonema agny amize hitobohanigny apela manan-daza raiky; nasainy hindray hihinan'aminazy izy. Dra isika gny handalo izy, dra hizano vo hihina ao. 9Hoy gny apela tamigny valiny: "Ingo, mahasapa zaho amizao fa izy dra lelahy masin'Agnahary ze mandalo mandrakariva.10Handeha sika hanao efisy kely agnabo riha ho an'i Elisa, dra hasiasika fandria ao agnatiny, latabasy, seza, dra ziro. Dra gny fa avy eto amisika izy, dra hizanon'eto." 11Dra avy ndraiky gny andro dra nizano tao i Elisa, nitoby tao amigny efisy izy dra nangalaky ay tao.12Hoy i Elisa tamin'i Gehazy gny panopony: "Tokavo io Sonemita io." Gny fa boaky nitoka anazy izy, dra nisanga teo agnatrehany. 13Dra hoy i Elisa taminazy: "Zakao amin-drapela ho: 'Fa nagnatiky amizao olo aby zao hanao ba hiahy anay. Dra ino gny azo atao honao? Afaky misolo vava anao agny amigny pazaka na agny amigny lelahinigny tafiky ra zahay?"' Dra namaly izy ho: "Miara-mipetraky amigny vahoakiko zaho."14Dra hoy i Elisa: "Ino zay gny azosika atao ho anazy?" Dra namaly i Gehazy ho: "E vatany, sy managnanaky izy, dra fa atisy gny valiny." 15Dra namaly i Elisa ho: "Tokavo izy." Gny fa boaky nitoka anazy izy, dra nisanga teo amigny vatrangara. 16Hoy i Elisa: "Amigny fotoa manahaky anizao, afaky heri-tao, dra hotrotro zazalahy hanao." Dra hoy rapela: "Aha, ry topoko sady lelahin'Agnahary, ka mavandy amigny panoponao."17fa gny taona magnaraky avo rapela dra navesasy dra niteraky zazalahy, araky ze fa nizakan'i Elisa taminazy. 18Gny fa niha-lahibe gny zaza, ndraik'andro dra nandeha nindray tamigny rany, ze nindray tamireo paziza izy. 19Hoy izy tamigny rany: "Gny lohako, gny lohako." Dra hoy gny rany tamigny panopony: "Andeso agny amigny reniny izy." 20Gny fa nangalaky anazy vo ninday gny zazalahy tagny amigny reniny gny panopo, dra nitoby teo agnevonigny zaza mandra-pitaovovona dra maty boak'eo.21Dra nisanga gny apela dra nametraky gny zanadahiny teo amigny fandrianigny lelahin'Agnahary, nagnily gny vatrangara, dra niboaky. 22Nitoka gny valiny izy, dra nizaka ho: "Ba andefaso raiky amireo panopo vo raiky amireo apondra re zaho ba hahafahako mandeha malaky agny amigny lelahin'Agnahary dra hihery boak'eo."23Dra hoy gny valiny: "Nagnino hanao gny te-ho agny aminazy hanao? Sy sinam-bola na Sabata zao." Dra namaly izy ho: "Sy magnino re." 24Dra nasiany lasely gny apondra raiky dra hoy izy tamigny panopony ho: "Apandehano mora raha sy mizaka zaho."25Dra nandeha rapela dra avy tao amigny lelahin'Agnahary tagny amigny Tendrombohisy Karmela. Dra gny fa nahita anazy lavisegny gny lelahin'Agnahary, dra nizaka tamin'i Gehazy panopony izy ho: "Ingo, avy gny apela Sonemita. 26Mihazakazaha malaky ba hisena anazy vo hizaka aminazy ho: "Milamina ra gny aminao vo gny valinao dra gny zanakao?"' Dra namaly izy ho: "Milamina soa."27Gny fa avy teo amigny lelahin'Agnahary tagny atendrombohisy rapela, dra nihazogny gny tombony. Nagnato mariny i Gehazy ba hangalaky anazy kanefa hoy gny lelahin'Agnahary ho: "Angao izy, fa tohy tateraky, dra navonin'i Yaveh taminahy gny olana, dra sy nizaka na ino na ino taminahy izy."28Dra hoy rapela: "Nangataky zanaky taminao ra zaho, ry topoko? Sy fa nizaka ra zaho ho: 'Ka fitahy zaho'?" 29Dra hoy i Elisa tamin'i Gehazy: "Mekazoa dra andeso amigny tagnanao gny tehiko. Mandehana agny atragnony. Raha mifanena amigny olo hanao, dra ka miaraba anazy, dra raha misy olo miarahaba anao, dra ka mamaly anazy. Ateheno eo amigny tarehinigny zaza gny tehiko."30Fa gny renigny zaza nizaka ho: "Raha velo koa i Yaveh, dra raha velo koa hanao, dra sy hagnenga anao zaho." Dra nisanga i Elisa dra nagnaraky anazy. 31Neloha malaky anereo i Gehazy dra nametraky gny tehina teo amigny tarehinigny zaza, nefa sy nizaka na nahare gny zaza, nefa sy nizaka na nahare gny zaza. Dra nihery tagny amin'i Elisa i Gehazy dra nizaka taminazy ho: "Bo sy nifoha gny zaza."32Gny fa avy tao atragno i Elisa, dra bo maty teo agnabo fandria gny zaza. 33Dra nidisy tao i Elisa dra niridrim-batrangara tao izy vo gny zaza dra nivavaky tamin'i Yaveh izy. 34Nisanga izy dra nandry teo amigny zaza; nanoby gny molany teo amigny molany, gny masony teo amigny masony, dra gny tagnany teo amigny tanany. Nagnizisy gny tagnany teo amigny zaza, dra lasa nafana gny vatanigny zaza haky masaiky.35Dra nitsangana i Elisa dra nivezivezy tao amin'ny efitra ary niakatra indray dra naninjitra ny tenany teo ambonin'ilay zazalahikely. Nihevona im-pito ilay zazalahy dra nanokatra ny masony. 36Dra niantso an'i Gehazy i Elisa dra niteny hoe: "Antsoy ilay Sonemita!" dra niantso azy izy, dra tonga tao amin'ny efitra izy, dra hoy i Elisa: "Raiso ny zanakao." 37Dra nampiakohoka ny tavany teo amin'ny tany teo amin'ny tongony izy dra nandohalika teo amin'ny tany, dra naka ny zanany dra nivoaka38Dra nihery tagny Gilgala ndraiky i Elisa. Nisy mosary tao amigny tany, dra nitoby teo anoloany reo zanaky gny paminany. Hoy izy tamigny panopony: "Atovy eo amigny afo gny siny lahibe dra mahandroa hany ho an'ireo zanaky gny paminany." 39Nizoso tagny agnahisy ba hitango legioma gny raiky tamin'ereo. Nahita voaloboky izy dra namory tanatanamanga dra ba hamenao gny moro-tomboky gny akazony. Nitapahiny dra natao'ereo tao amigny hany izay, nefa sy nahafatasy gny karazan'izay ereo.40Dra nandoasy gny hany ba ho hanin'ireo lelahy ereo. Afaky kelikely, raha teo am-pihinana ereo, dra nikioky fatrasy nanao anizahoky ho: "Ry lelahin'Agnahary, misy mahafaty ao am-bilagny!" Dra sy afaky gny hihinan'anizay sasay ereo. 41Fa hoy i Elisa ho: "Mindesa koba." Nagnary anizay tao agnaty vilagny izy dra nizaka ho: "Loharo ho anigny olo zay, ba hihina ereo." Dra sy nisy raha mahafaty sasy tao am-bilagny."42Nisy lelahy raiky boak'agny Bala-salisa nagnagny amigny lelahin'Agnahary dra ninday mofo vita tamigny vary hordea ropolo vao niziza, dra salohim-bary vao vao tao agnaty kitapony. Hoy izy: "Omeo an'ireo olo reo ba hahafahan'ereo mihina." 43Hoy gny panopony: "Nagnino gny hagnomezako anizay an'ireo olo zato?" Fa hoy i Elisa ho: "Omeo gny olo tahoky, ba hahafahan'ereo mihina, akory i Yaveh nizaka ho: "Hihina ereo dra hagnenga ambiny." 44Dra nagnome anizay anazy reo gny panopony; dra nihina ereo, dra nisy sisa tavela, araky gny zakany fapanatenan'i Yaveh.
Chapter 5

1Dra Namana, pifehy gny fafiky gny pazakan'i Syria, dra lelahy lahibe sady be voninahisy eo amasony topony, akory tamigny alalany gny nagnomezan'i Yaveh fadresena an'i Syria. Lelahy matazaky,be heri-po avo koa izy, dra nefa boka. 2Nandeha niboaky isan-tokony ereo syriana dra nangalaky zanakapelany masaisaiky dra avy tao amy tanin'Israely. Nanopo gny nalin'i fahamarony izy.3Hoy gny zazavavy tamigny topovaviny ho: "Enga anie ba hiaraky amigny paminany ze agny Samaria gny topoko! Dra hagnasitrany gny topoko amigny habokany izy." 4Ko nandeha i Namana dra nizaka tamigny pazaka ze nizakanigny zazavavy masaiky boak'agny amigny tanin'Israely.5Dra hoy gny pazakan'iSyria ho: "Mandehana amizao, dra hapinday taratasy ho anigny pazakan'Israely ho." Lasa i Namana dra ninday taleta volafosy folo, volamena enin'arivo, vo akazo fisoloa folo nindray taminazy. 6Ninday gny taratasy ho anigny pazakan'Israely avo koa izy ze nizaka ho: "Gny fa andesin'aminao ty taratasy ty, dra ho hitanao fa nandefa an'i Namana panopoko aminao zaho, ba hagnasitraky anazy amigny habokany."7GNy fa avy namaky gny taratasy gny pazakan'Israely, dra naniasy gny akazony izy dra nizaka ho: "Moa ra Zagnahary zaho, dra hamono na hamelo,gny mitalia anahy hagnasitrany lelahy amigny habokany ty lelahy ty? Ohasigny mitalia fifandiran'aminahy izy."8Ko gny fa ren'i Elisa gny lelahin'Agnahary fa nandrisy gny akazony gny pazakan'Israely, dra nandefa zaka tagny amigny pazaka izy nanao anizahoky ho: "Nagnino gny nitriatinao gny akazonao? Angao izy hagnotany anahy amizao, dra ho fatany fa misy paminany ao Israely." 9Dra avy nindray tamireo sovalany vo gny kalesany i Namana dra nizoro teo ambatrangarany gny tragnon'i Elisa. 10Nagniraky pinday hafasy tagny aminazy i Elisa, nanao anizahoky ho: "Mandehana dra apandroy ipito ao amin'i Jordana gny vatanao, dra hihery amigny taloha gny nofonao, halio hanao."11Fa ory i Namana dra lasa vo nizaka ho: "Ingo, niheveriko fa hiboaky hagnaton'anahy izy dra hisanga vo hitoka gny agnaran'Yaveh Zagnahariny, dra hagnofahofa gny tagnany amigny toerany dra hagnasitrany gny habokako. 12Moa i Abana vo Farpara, reniranon'i Damaskosy, sy soa kokoa noho gny rano aby ao Israely? Sy afaky mandro ao amireo ra zaho dra halio?" Dra nihery izy dra lasa akahorian'avo.13Boak'eo reo ponopon'i Namena nagnariny dra nizaka taminazay ho: "Ry rako, raha nandidy anao hanao raha-sorosy ilany gny paminany, moa sy nanao anizay ra hanao? Ko maiky fa , gny fa mizaka sotra aminao izy ho: 'Apandray gny vatanao dra halio hanao?" Boak'eo dra nandeha nizoso izy dra napandro gny vatany ipito tao amin'i Jordana, nakato reo toromarikigny lelahin'Agnahary. NIhery manahaky gny nofo zaza masaiky ndraiky gny nofony, dra sitrany izy.15Nihery tagny amigny lelahin'Agnahary i Namana, izy vo reo piara-dia taminazy aby dra nizoro teo anoloany. Hoy izy ho: "Ingo, fatako amizao fa sy misy Zagnahary manera gny tany afa-sy ao Israely avo. Noho zay, andeso gny fagnomeza boak'amigny panoponao." 16Fa Elisa namaly ho: "Raha bo velo koa i Yaveh, ze eo agnatrehany gny hizoroako, dra sy hitakasy na ino na ino zaho." Napirisiky an'i Elisa ba hitakasy gny fagnomeza i Namana, fa nanda izy.17Noho zay dra hoy i Namana ho: "Raha sy zay, dra mangataky aminao zaho ba hagnome gny panoponao tany apy zakanigny apondra ro, akory manomboky zao, dra hagnome fagnatisy oroa na soro hon'Agnahary hafa sasy gny panoponao afa-sy i Yaveh. 18Aoky ba hamela heloky gny panoponao i Yaveh amity raha raiky ty, dra izao, gny fa milisy ao atragnon'i Rimona gny pazakako ba hanopo ao, dramitehy amigny tagnako izy dra mekohoky ao atragno'i Rimona zaho, gny fa mekohoky ao atragnon'i Rimona zaho, dra enga anie Yaveh ba hamela heloky anizay." 19Dra hoy i Elisa taminazy ho: "Mandehana apedagna." Dra lasa i Namana.20Nandeha halavira bory avo izy, gny fa nizaka taminazy i Gehazy panopon'i Elisa gny lelahin'Agnahary ho: "Ingo, fa namindra fo ty Namana gny Syriana gny topoko tamigny sy fandresa reo fagnomeza ze nindesiny tegny atagnany. Raha bo velo koa i Yaveh, dra hagnaraky anazy zaho dra hitakasy raha boak'aminazy." 21Noho zay dra nagnoriky an'i Namana i Gehazy. Gny fa nahita olo nilomay tafarany i Namana, dra nidikosy nizoso tamigny kalesany izy ba hisena anazy dra nizaka ho: "Mizaka ra raha ho?" 22Dra hoy i Gehazy ho: "Mety aby gny raha aby. Nirahinigny topoko zaho, nanao anizahoky ho: 'Ingo, nisy tovolahy ro boak'amireo zanaky gny paminany avy nagnaton'anahy boak'agny amigny vohis'i Efraima. Mengavy re ba omeo taleta volafosy raiky vo akazo hisoloa ro ereo."23Namaly i Namana ho: "Faly loasy zaho magnome taleta volafosy ro honao." Napirisiky an'i Gehazy i Namana dra namatasy taleta volafosy ro tao agnaty kitapo ro, niaraky tamireo akazo ro hisoloa, dra nanoby reo tamigny ro tamireo panopony, ze ninday reo kitapom-bolafosy nialoha an'i Gehazy. 24Gny fa avy tao amigny havoa i Gehazy, dra nangalaky reo kitapom-bolafosy tegny atagnan'ereo izy dra nagnavony reo tao atragno; nalefany reo lelahy, dra lasa ereo. 25Gny fa nilisy i Gehazy dra nisanga nanoloa gny topony, dra hoy i Elisa taminazy ho: "Boak'eza hanao, ry Gehazy?" Namaly izy ho: "Sy nandeha teza na teza gny panoponao."26Hoy i Elisa tamin'i Gehazy ho: "Sy nindray taminao ra gny fagnahiko gny fa nihidy tamigny kalesany ba hiseza anao gny lelahy? Fotoa fandresa vola vo akazo, tanin'oliva vo tanim-boaloboky, agnondry vo agnomby, dra panopo lahy vo apela ra zao? 27Noho zay dra ho aminao vo gny taranako mandrakizay gny habokan'i Namana." Ko niala tamigny fagnatrehany i Gehaza, boka fosy manahaky gny ora-panala.
Chapter 6

1Ereo zanaky gny mpaminany nizaka tamigny Elisa ho: ''Ze toera himpetrahanay miarak'aminao dra tena masaiky loasy ho anay aby. 2Angao re zahay handeha ho agny Jordana, dra angao gny olon'aby ba hanapaky hazo agny, dra angao zahay hagnory toera hahafahanay mitoby agny." Namaly i Elisa ho: "Afaky mandeha handrareo." 3Gny raiky tamin'ereo nizaka ho: "Mandehana re mindray amireo panoponao." Dra namaly Elisa ho: "Handeha zaho."4Ko nandeha nindray tamin'ereo izy, dra gny fa avy agny Jordana ereo, dra nanomboky nanapaky hazo. 5Fa raha teo apikapa gny raiky, dra nilasaky tao agnaty rano gny lela-pamaky; nikioky fatrasy izy dra nizaka ho: "Loza, ry topoko, nindraminy igny!"6Dra hoy gny lelahin'Agnaharary ho: "Teza gny nilasahany?" Dra natoronigny olo an'i Elisa gny toera. Dra nanapaky tapa-kazo izy, dra nagnary anizay tao agnaty rano, dra napisingeva gny vy. 7Hoy i Elisa ho: "Alao io." Dra nagnizisy gny tagnany gny olo dra nangalak'anazy.8Dra nanangan'aly Tamin'Israely gny pazakan'i Syria. Nizaka tamigny panopony izy, nanao anizahoky ho: "Agny amigny toera manahaky anizao vo manahaky anizao gny hotobiako." 9Dra gny lelahin'Agnahary ze nalefa tagny amigny pazakan'Israely, nizaka ho: "Mitandrema sy handalo amizay toera zay, fa hizoso agny reo Syriana."10Nandefa hafasy tagny amigny toera ze voazaka vo napitandremanigny lelahin'Agnahary anazy gny pazakan'Israely. Sy indray mandeha na indro avo, gny fa nandeha tagny gny pazaka, dra malio izy. 11Nasiaky fatrasy tamireo fapitandrema gny pazakan'i Syria, dra nitoka reo panopony izy dra nizaka tamin'ereo ho: "Sy nizaka aminahy ea handrareo ho iza eo amindrareo gny miandany amigny pazakan'Israely?"12Dra hoy gny raiky tamireo panopony ho: "Aha, ry pazaka, topoko, fa i Elisa paminany ao Israely gny mizaka amigny pazakan'Israely reo zaka ze zakanao ao amigny efitragno fandrianao!" 13Dra namaly gny pazaka ho: "Mandehana dra taliavo gny misy an'i Elisa ba hahafahako mandefa olo hanambosy anazy." Nizakany taminazy ho: "Ingo, agny Dotana izy."14Dra nandefa sovala maro, kalesa, dra tafiky lahibe tagny Dotana gny pazaka. Tamigny hariva izy gny avy dra nagnodidy gny tana igny. 15Gny fa nifoha maray vo niboaky tagny ivelany gny panoponigny lelahin'Agnahary, dra ingo, gny tafiky lahibe mitikisy sovala vo kalesa nagnodidy gny tana. Hoy gny panopo taminazy ho: "O, ry topoko! Ino gny hataosika?" 16Elisa namaly ho: "Ka matahosy, fa reo ze mindray amisika dra bo maro kokoa noho reo ze mindray amin'ereo."17Nivavaky i Elisa dra nizaka ho: "Ry Yaveh, mitalaho aminao gny ba hanokafanao gny masony ba hahita zaho." Dra nisokafin'i Yaveh gny masonigny panopo, dra nahita izy. Ingo, gny tendrombohisy dra feno sovala vo kalesa afo nagnodidin'an'i Elisa! 18Gny fa nizoso teo aminazy reo Syriana, dra nivavaky tamin'i Yaveh i Elisa dra nizaka ho: "Mangataka aminao zaho, atovy poaky reo olo reo." Ko nipoahiny gny mason'ereo, araky gny nangatahin'i Elisa. 19Dra hoy i Elisa tamireo Syriana ho: "Sy io gny lala, na gny tana. oriho zaho, fa handesiko agny amigny olo ze taliavinao handrareo." Boak'eo dra nitarihiny ho agny Samaria ereo.20Dra gny avy tagny Samaria ereo, dra hoy i Elisa ho: "Ry Yaveh, sokafo gny mason'ireo olo reo ba hahafahan'ereo mahita." Dra nisokafin'i Yaveh gny mason'ereo dra nahita ereo, dra ingo, teo agnevonigny tanan'i Samaria ereo. 21Hoy gny pazakan'Israely tamin'i Elisa, gny fa nahita anereo izy: "Ry rako, tokony hovonoko raereo? Tokony hovonoko ra ereo?"22Elisa namaly ho: "Aoky sy hamono anereo hanao. Hovononao ra reo ze nobaboanao tamigny sabasy vo gny sipiky? Mametraha mofo vo rano eo anoloan'ereo, ba hihina vo hino ereo, dra mandehana agny amigny topon'ereo." 23Ko nagnoma sakafo maro ho anereo gny pazaka, dra gny fa nihina vo nino ereo, dra nalefany, vo nihery tagny amigny topony. Sy nihery tagny amigny tanin'Israely nandrisy gny fotoa ela reo tariky gny maramila Syriana.24Fotoa fohy tafaran'izay dra namory gny tafiny i Beni-hadada dra nanafiky an'i Samaria vo nanao fahirano anazy. 25Dra nisy mosary lahibe tagny Samaria. Ingo, nanao fahirano ereo mandra-pahalafo ho sekely volafosy valopolo gny lohan'apondra raiky, dra gny taim-boromailala apahefasy gny kaba ho sekely volafosy dimy. 26Raha nandalo teo amigny manda gny pazakan'Israely, dra nisy apela nikioky taminazy, nizaka ho: "Vizeo, ry pazaka, topoko."27Hoy izy: :Raha sy magnapy anao i Yaveh, ino gny hahafahako magnapy anao? Misy raha ra avy amigny famoloa vo gny famiazam-boaloboky?" 28Dra nanohy gny pazaka ho: "Ino gny olonao?" Dra namaly izy ho: "Hoy ty apela tihoky taminahy: 'Omeo gny zanakao ba hihinanasika anazy amizao, dra hihina gny zanako isika maraindray."' 29Dra napangotrahinay gny zanako dra nihaninay, dra nizaka taminazy zaho gny andro magnaraky ho: "Omeo gny zanakao ba hihinanasika anazy, kanefa fa navoniny gny zanany."30Dra gny fa nahare reo zakan-drapela gny pazaka, dra naniasy gny akazony izy (dra nandalo teo amigny manda izy). dra nagnety vo nahita fa nanan'atinakazo lamba fandala izy, tagny ambatany. 31Dra hoy izy ho: "Aoky anie Zagnahary hanao anizay aminahy, mihoasy noho izay aza, raha mitoby ao aminazy gny lohan'i Elisa zanak'i Safata amizao."32Fa i Elisa nitoby tao atragnony, dra reo loholo nindray nitoby taminazy. Nandefa olo raiky boak'eo anoloany gny pazaka, nefa gny fa avy tagny amin'i Elisa gny pinday hafasy, dra hoy izy tamireo loholo ho: "Ingo, ino gny fomba nandefasa ty zanaky panopo olo tihoky olo hanapaky gny lohako? Ingo, gny fa avy gny pinday hafasy, dra hilio gny vatrangara, dra hazogny hihily ba sy hidirany gny vatrangara. Moa ra sy feo tombony gny topony zay ao afaran'izay? 33Raha bo nanohy nizaka tamin'ereo izy, dra ingo, nizoso teo aminazy gny pinday hafasy. Hoy gny pazaka ho: "Ingo, avy amin'i Yaveh zao loza zao. Nagnino Zaho gny tokony bo handigny an'i Yaveh avo?"
Chapter 7

1Hoy Elisa ho: "Tenoy gny zakan'i Yaveh." Zao gny voazakan'i Yaveh: 'Maraindray amigny ora manahaky anizao dra ho sekely raiky gny vilinigny koba soa toto eranigny famaragna, dra ho sekely raiky gny vary hordea ro famaragna, eo am-bavahadin'i Samaria."' 2Dra namaly gny lelahin'Agnahary gny gny lahibenigny piamby raiky ze nagnakignany gny tagnany, dra nizaka ho: "Ingo, na dre hanao vatrangarakely egny amigny lagnisy aza i Yaveh, hitranga ra ze raha zay?" Dra namaly Elisa ho: "Ingo, hahita gny fitrangan'izay reo masondrareo, kanefa sy hihinan'amizay handrareo."3Dra nisy efa-dahy boka teo ivelanigny vavahadinigny tana. Nifapizaka ereo ho: "Nagnino isika gny tokony mizanon'eto mandra-pahafatisika? Raha hizaka isika ho tokony hidisy ao amigny tana isika, kanefa misy mosary ao atana, dra ho maty agny isika. 4Nefa raha hizanon'eto isika dra bo ho maty avo koa. Dra ndao, ndao isika ho agny amigny tafikin'ireo Syriana. Raha sy mamono asika ereo, dra ho velo isika, fa raha mamono asika ereo, dra ho maty isika5Dra nandeha ereo gny menandro ba hagnagny amigny tobinigny Syriana; gny fa avy egny amigny farisy ivelanigny toby ereo, dra sy nisy olo tao. 6Fa napaharezinigny Topo gny feon'ireo kalesy, vo gny feon'ireo vovala__gny feon'ireo tafiky lahibe hafa, gny tafikigny Syriana, dra nifapizaka ereo ho: "Gny pazakanIsraely dra fa nagnarama reo pazakan'ireo Hetita vo reo Egyptiana ba ho avy hanohisy asika.7Dra nenga reo maramila gny menandro; nangan'ereo gny lainy, reo sovalany, reo apondrany, dra manahaky anizay koa gny toby, dra nengaho agny ainy ereo. 8Gny fa niavy teo amigny farisy ivelanigny toby reo lelahy boka reo, dra nihina vi ninondrano, dra nangalaky volafosy vo volamena dra akazo, dra nandeha vo nanafiky reo. Naheriny ereo dra nilisy tao amigny lay hafa dra nandrobaky gny tao avo koa ereo, dra nandeha dra nagnavony anazy.9Boak'eo dra nifapizaka ereo ho: "Sy manao gny mary isika. Andronigny filazasara zao andro zao, nefa mita fahangina momba anizay isika. Raha mandigny mandra-pahazavanigny andro isika, dra hisy famaiza hihasy amisika. Amizao dra, ndao isika handeha dra hizaka gny akohonanigny pazaka." 10Nandeha ereo dra nitoka reo piamby vavahady tao atana. Hoy reo tamin'ereo: "Nagnagny amigny tobin'ireo Syriana zahay, nefa sy nisy olo tao, sy nisy feon'olo, fa reo sovala vo apondra mifehy gny ao, dra reo lay ze nitobohany." 11Dra nikioky fatrasy reo vaovao gny piamby vavahady, boak'eo dra nizaka tao amigny akohonanigny pazaka zay.12Dra nifoha gny pazaka gny hariva dra nizaka tamireo panopony ho: "Amizao dra zakako amindrareo gny nataon'ireo Syriana tamisika. Fatas'ereo fa resy isika, dra niala gny toby ereo ba hivony agny agnahisy. Hoy ereo: "Gny fa miboaky gny tana ereo, dra hataosika sambo-belo, dra hidirasika gny tana."' 13Namaly gny raiky tamireo panoponigny pazaka sady nizaka ho: "Mitalaho aminao zaho, angao hangalaky dimy amireo sovala tavela reo lelahy, dra ze tavelatao atana zay. Ereo dra manahaky gny ambin'ireo vahoakin'Israely gny fa ze tavela_fa maty gny akamaroany amizao;aoky isika handefa anereo dra hahita."14Dra nangalaky kalesa ro nindray tamigny sovala ereo, dra nirahinigny pazaka hagnoriky reo tafikin'ireo Syriana ereo, nizaka ho: "Mandehana dra atio." 15Nandeha nagnaraky anereo hatragny Jordana ereo, dra feno fitafia vo fitova ze narian'i Syriana tami-pikoropaha gny lalan'aby. Dra nihery gny pinday hafasy dra nizaka tamigny pazaka.16Nienga reo vahoaky sady nandrobaky gny tobin'ireo Syriana. Dra namarosy ho sekely raiky gny koba soa toto eranigny famaragna, dra vary hordea ro famaragna dra sekely raiky, araky gny fa voazakany gny zakan'i Yaveh. 17Nibekonigny pazaka gny lelahinigny piamby ze mariny anazy ba hiamby gny vavahady, dra voahisakisak'ireo vahoaky teo am-bavahady izy. Dra maty izy manahaky gny fa voazakanigny lelahin'Agnahary, ze nizaka gny fa nizoso aminazy gny pazaka.18Dra niseho zay araky gny fa nizakanigny lelahin'Agnahary tamigny pazaka ho: "Amizao fotoa zao eo am-bavahadinigny Samaria, dra azo vily ho sekely raiky gny vary hordea ro famaragna, dra gny koba soa toto raiky famaragna dra ho sekely raiky." 19Namaly anigny lelahin'Agnahary zay lahibenigny piamby zay sady nizaka ho: "Ingo, na dre hanao vatrangarakely egny an-dagnisy aza i Yaveh, hitranga ra ze raha zay? Fa nizaka i Elisa ho: "Ingo, hahita gny fitrangan'izay amigny masondrareo handrareo, kanefa sy hihinan'aminizay handrareo. 20Manahaky anizay tokoa gny niseho taminazy, akory voahisaky gny vahoaky teo am-bavahady izy, dra maty.
Chapter 8

1Dra Elisa nizaka tami-drapela renigny zaza ze nivelominy. Hoy izy taminazy: "Misangana, dra mandehana mindray amigny havanao, dra mitoera na ezana eza azonao hitoeran'agny atany hafa, akory Yaveh fa nitoka mosary ho avy eto amity tany ty mandrisy gny fito tao." 2Ko dra nisanga rapela dra nakato gny zakanigny lelahin'agnahary. Nandeha nindray tamireo havany izy dra nitoby tagny amigny taninigny Filistina fito tao.3Dra gny faranigny fito tao dra nihery boak'agny amigny Filistina rapela, dra nagnagny amigny pazaka ze ba hengavy gny amigny tragnony vo gny amigny taniny. 4Dra gny pazaka nizaka tamin'i Gehaza panoponigny lelahin'Agnahary, nanao anizahoky ho: "Ba zakao anahy re reo raha lahibe aby ze nataon'i Elisa."5Dra raha nizaka tamigny pazaka gny fomba nameloman'i Elisa gny zaza ze fa maty izy, dra avy gny apela reninigny zazanivelominy ba hengavy gny pazaka gny amigny tragnony vo gny taniny. Hoy i Gehazy : "Ry pazaka, topoko, tiky gny apela, dra tihoky koa gny zanany lahy, ze nivelomin'i Elisa." 6Gny fa nagnotany an-drapela momba gny zanany gny pazaka, dra nihazavany taminazy zay. Dra nandidy gny mana-pahefa raiky honazy gny pazaka, nanao anizahoky ho: "Aheregno aminazy ze anazy aby dra gny vakasy gny sakany aby hatramigny andro ze agnengany gny tany dra hatramizao."7Nagnagny Damaskosy tagny amize nahararian'i Beni-hadada pazakan'i Syria i Elisa. Nizaka gny pazaka ho: "Avy eto gny lelahin'Agnahary." 8Hoy gny pazaka tamin'i Hazaela: "Mindesa fagnomeza egny atagnanao dra mandehana miseza gny lelahin'Agnahary, dra magnotania an'i Yaveh amigny alalany, manao anizahoky ho: "Ho sitrany amizao aretina zao ra zaho?"' 9Dra nandeha niseza anazy i Hazaela dra ninday fagnomeza tamin'izay raha-soa isakarazany boak'ao Damaskosy, nandesy rameva efapolo. Dra avy i Hazaela vo nizoro teo anoloan'i Elisa dra nanao anizahoky ho: "Gny zanadahinao Beni-hadada pazakan'i Syria gny nagniraky anahy hoatiky aminao, manao anizahoky ho: 'Ho sitrany amizao arety zao ra zaho?"'10Hoy i Elisa taminazy: "Mandehana, zakao i Beni-hadada ho: 'Ho sitrany tokoa hanao', nefa i Yaveh fa napiseho anahy fa ho maty tokoa izy." 11Dra nibazina an'i Hazaela mandra-pahamegnas'anazy i Elisa, dra nitomagny gny lelahin'Agnahary. 12Nagnotany i Hazaela ho: "Nagnino hanao tomagnio, ry topoko?" Namaly izy ho: "Akory fatako gny rasy ze hataonao amigny vahoakin'Israely. Hagnoro gny ferova fatrasy ereo hanao, dra hamono gny tovolahin'ereo amigny mesa, handrasa gny zaza madinik'ereo hanao, dra handrasa gny apela bevoka ao amin'ereo."13Hazaela namaly ho: "Iza moa ty panoponao, gny hanao anizay raha lahibe zay izy? Amboan'avo izy." Namaly i Elisa ho: "Fa nasehon'i Yaveh anazhy fa ho lasa pazakan'i Syria hanao." 14Dra nagnenga an'i Elisa i Hazaela dra nagnagny amigny topony, ze nizaka taminazy ho: "Ino gny nizakan'i Elisa taminao?" Namaly izy ho: "Nizaka taminahy izy fa ho sitranytokoa hanao." 15Dra gny maraindray dra nangalaky bodofosy i Hazaela dra nanoboky anizay teo amigny tarehin'i Beni-hadada ba ho maty izy. Dra lasa pazaka nandimby gny toerany i Hazaela.16Tamigny tao fahadimy nazakan'i Jorama zanadahin'i Ahaba, pazakan'Israely, dra nanomboky nazaka i Jehorama. Izy ndra zanadahin'i Josafata pazakan'i Joda. 17Jehorama dra ro amby telopolo tao gny nanomboky nazaka, dra nazaka nandrisy gny valo tao tao Jerosalema izy.18Nandeha tamireo lalanigny pazakan'Israely i Jehorama, manahaky anize nataony gny havan'i Ahaba; akory nangalaky gny zanak'apelan'i Ahaba ho valy izy, dra nanao rasy teo amason'i Yaveh izy. 19Na dre zay aza, nohonigny amin'i Davida panopony, dra sy te-handrava an'i Joda i Yaveh, akory nizaka taminazy Izy fa hagnome anazy taranaky mandrakariva.20Tamigny andron'i Jehorama, dra nikomy nanohisy gny tagnan'i Joda i Edoma, dra nametraky pazaka ho anigny vatany ereo. 21Boak'eo dra nisaky nindray tamireo pifehiny vo reo kalesany aby i Jehorama. Dra nisanga izy gny hariva dra nanafiky vo namely reo Edomita, ze nagnodidin'anazy vo reo pifehy reo kalesa. Dra nienga tagny atragnon'ereo gny tafik'i Jehorama.22Dra nikomy nanohisy gny fisipik'i Joda mandrak'amizao i Edoma. Nikomy avo koa i Libna tamin'io fotoa io. 23Dra gny amireo raharaha hafa mahakasiky an'i Jerohama, ze nataony aby, moa sy fa voasorasy ao amigny bokin'ireo tataranigny pazaka'i Joda ra zay? 24Maty dra nisahasy nindray tamireo razany i Jehorama, dra nalevy nindray tamireo razany tao atanan'i Davida. Dra i Ahazia zanany lahy gny hazary pazaka nandimby toerany.25Tamigny tao faharo ambiny folo nazakan'i Jorama zanadahin'i Ahaba, pazakan'i Israely, gny nanomboky nazaka i Ahazia, zanadahin'i Jehorama, pazakan'i Joda. 26Ro amby ropolo tao i Ahazia gny nanomboky nazaka; nazaka nadrisy gny heri-tao tao Jerosalema izy. Gny agnara-dreniny dra Atalia; izy dra zanakapelan'i Omry, pazakan'Israely. 27Dra nandeha tamireo lalanigny havan'i Ahaba i Ahazia; nanao ze rasy teo amason'i Yaveh izy; manahaky ze nataonigny akohonan'i Ahaba, akory i Ahazia dra vinato lahy tamigny taranak'i ahaba.28Nandeha nindray tamin'i Jorama zanadahin'i Ahaba i Ahazia, ba hialy amin'i Hazaela, pazakan'i Syria, ao Ramotagileada. Nandrasy an'i Jorama reo Syriana. 29Nihery i Jorama pazaka ba hosabon'agny Jezirela amireo rasy ze nataon'ireo Syriana taminazy tao Rama, gny fa nialy tamin'i Hazaela pazaka izy. dra i Ahazia zanadahin'i Jehorama, pazakan'i Joda, nizoso ho agny Jezirela ba hagnety an'i Jorama zanadahin'i Ahaba, akory narasy i Jorama.
Chapter 9

1Nitoka gny rany tamireo zanaky gny paminany i Elisa paminany dra nanao taminazy ho: "Mekazoa ho anigny lia, dra andeso eo atagnanao ty botela masaiky misy dililo tihoky dra mandehana agny Ramota-Gileada. 2Gny fa avy hanao, dra taliavo i Jeho zanadahin'i Josefata zanak'i Nemsy, dra midira vo apisangano eo amireo namany vo andeso ao agnaty efisy manoka izy.3Dra alao gny botela misy dililo vo araraho eo agnabonigny lohany dra zakao ho: 'Zao gny zakan'i Yaveh: "Fa nosorako ho pazaka eo amin'Israely hanao."' Boak'eo dra sokafo gny vatrangara, dra maenga; dra ka mihemosemosy."4Dra nandeha tagny Ramota-gileada, gny tovolahy, paminany. 5Nony avy izy, indreo, nitoby gny kapiteninigny tafiky. Dra hoy gny paminany zatovo: "Ninday hafasy honao zaho, ry kapiteny." Jeho namaly ho: "Ho an'iza aminay zay?" Gny paminany zatovo namaly ho: "Honao, ry kapiteny." 6Dra nisanga i Jeho dra nizoso tagny atragnony, dra nararakigny paminany zatovo teo agnabonigny lohany gny dililo dra hoy izy tamin'i Jeho: "Zao gny zakan'i Yaveh, gny Zagnaharin'Israely: 'Fa nagnososy anao ho pazaka teo amigny olon'i Yaveh, teo amin'Israely Zaho.7Sy maisy vononao gny havan'i Ahaba toponao, ba hamaliako faty gny lion'ireo paminany panopoko, vo reo lion'ireo panopon'i Yaveh aby, ze nivononigny tagnan'i Jezebela. 8Fa ho ringa gny fianakavian'i Ahaba manotolo, dra ho foagnako eo amin'i Ahaba gny zanadahiny aby, na gny andevo zay na gny olon'afaky.9Hataoko manahaky gny akohonan'i Jeroboama zanadahin'i Nebata vo manahaky gny akohonan'i Basa zanadahin'i Ahia gny akohonan'i Ahaba. 10Reo amboa gny hihinan'an'i Jezebela ao Jezirela, dra sy hisy olo handevin'anazy."' Dra nisokafinigny paminany gny vatrangara vo nenga izy.11Dra Jeho niboaky teo amireo panoponigny topony, dra nisy raiky nanao taminazy ho: "Mandeha soa ra gny raha-aby? Nagnino gny nagno aminao igny olo marary say igny? Jeho namaly anereo ho: "Fatandrareo igny olon'igny dra fatandrareo ze raha zakany." 12Hoy ereo: "Vandy zay. Zakao anay." Jeho namaly ho: "Zay sy zay gny nizakany taminahy, dra hoy koa izy ho: "Zao gny zakan'Yaveh: Fa nagnososy anao ho pazaka teo amin'Israely Zaho."' 13Dra samby nangalaky malaky gny akazony ivelany ereo dra nametrak'anizay teo ambanin'i Jeho tegny amigny farany agnabonigny tohasy. Siniok'ereo gny tropetra dra hoy ereo ho: "Pazaka i Jeho."14Zay gny fomba nikomian'i Jeho zanadahin'i Josafata zanak'i Nimsy hanohisy an'i Jorama. dra Jorama pazaka fa niaro an'i Ramota-gileada, izy vo gny Israely aby, noho i Hazaela pazakan'i Syria, 15kanefa nihery tagny Jezirela i Jorama pazaka ba ho sitrany amireo sary ze nataon'ireo Syriana anazy, gny fa nialy tamin'i Hazaela pazakan'i Asyria izy. Hoy i Jeho tamireo panopon'i Jorama: "Raha izay gny hevindrareo, dra ka anga hisy olo hienga vo hiboaky gny tana, ba hizaka zao vaovao zao agny Jezirela." 16Dra nitikisy kalesa nagnagny Jezirela i Jeho; akory nangaka'ay tagny i Jorama. Dra nandeha nizoso ba hihao amin'i Jorama i Ahazia pazakan'i Joda.17Nisanga teo amigny tilikambon'i Jezirela gny pitily, dra hitany nagnato boaky lavisy reo nama'i Jeho; hoy izy: "Mahita andian'olo magnato zaho." Jorama nanao anizahoky ho: "Mangala pitikisy sovala raiky, dra alefaso ba hiseza anereo izy; Zakao izy ba hizaka ho: 'Avy ba hihava ra handrareo?"' 18Dra nalefa ba hiseza anazy gny pitikisy sovala; dra hoy izy: "Zai gny zakanigny pazaka: 'Avy ba hihava ra handrareo?"' Dra hoy i Jeho: "Pifagnino moa hanao vo gny fihavana? Mihodigna dra magnaraha anahy." Dra nizaka tamigny pazaka gny pitily ho: "Nihao tamin'ereo gny pinday hafasy, kanefa sy niherin'izy."19Dra nandefa pitikisy sovala raiky faharo izy, ze nagnegny amin'ereo dra nanao anizahoky ho: "Zao gny zakanigny pazaka: 'Avy ba hihava ra handrareo?"' Jeho namaly ho: "Pifagnino moa hanao vo gny fihavana? Mivilia dra magnaraha anahy." 20Nitatisy nadraiky gny pitily ho: "Nohao tamin'ereo izy, kanefa sy nihery. Fa gny lala ze nindesa kalesa gny lala nandehanan'i Jeho zanadahin'i Nesmy, dra nirifasy fatrasy izy."21Dra hoy i Jorama: "Homany gny Kalesiko." Dra nomanin'ereo gny kalesiny, dra samby nitikisy gny kalesiny aby, i Jorama pazakan'Israely vo i Ahazia pazakan'i Joda, da hihaon'amin'i Jeho. Hitan'ereo tao amigny tanan'i Nabota gny Jezirelita izy. 22Gny fa hitan'i Jorama i Jeho, dra hoy izy: "Avy ba hihava ra handrareo, ry Jeho?" Izy namaly ho: "Ino gny fihavanan'eo, raha bo maro be koa gny fanopoa-sapy amigny asa fivarota-tegna vo gny oly rasin'i Jezebela reninao?"23Dra navilin'i Jorama gny kalesany vo nenga izy dra nizaka tamin'i Ahazia ho: "Misy fitaky, ry Ahazia." 24Dra nezagnin'i Jeho tamigny heriny aby gny sipiky dra nitifiriny teo agnelagnelanigny sorok'i Jorama; nisatoky teo amigny fony gny zana-sipiky, dra nezera aboak'eo amigny kalesy izy.25Dra hoy i Jeho tamin'i Bidkara kapiteniny: "Alao izy dra ario ao amigny sahan'i Nabota gny Jezirelita. Sarovy tamy zaho vo hanao niaraky ninday kalesy nagnaraky an'i Ahaba rany, dra nametraky anizay faminania zay hamelezan'anazy i Yaveh: 26Yaveh nitalily ho__'Nahita gny lion'i Nabota vo gny lion'ireo zanadahiny Zaho omaly__dra hapanohisy anao anizay eto amity saka tihoky tokoa Zaho__hoy i Yaveh. Ko Amizao, alaviro izy dra ario eo amin'io saka io, araky gny zakan'i Yaveh."27Gny fa nahita anizay i Ahazia pazakan'i Joda, dra nienga niakasy tagny amigny lala magnagny Beta Hagana izy. Fa i Jeho nagnorik'anazy, dra nanao anizahoky ho: "Vonoy eo amigny kalesy avo koa izy," dra nitifirin'ereo teo amigny fakara ho agny Gora, ze eo agnilan'i Jibleama izy. Nienga tagny Megido i Ahazia dra maty tagny. 28Nandesin'ireo panopony tamigny kalesy nagnagny Jerosalema gny fatiny dra naleviny tao amigny lolo nindray tamireo razambeny tao atanan'i Davida izy.29Dra tamigny faharaikambiny folo tao nazakan'i Jorama zanadahin'i Ahaba gny nanomboky nazaka teo amin'i Joda i Ahazia.30gny fa avy tao Jezirela i Jeho, dra ren'i Jezebela zay, dra nandoko gny masony, vo nibango gny volony, dra niteza teo am-batrangarakely izy. 31Raha nilisy gny vavahady i Jeho, dra hoy izy taminazy ho: "Avy ba hihava ra handrareo, ry Zimry, pamono gny toponao?" 32Niandradra tegny am-batrangarakely i Jeho dra hoy izy: "Iza gny miandany Aminahy? Iza? Boak'eo dra nisy tandapa ro na telo nitalaky.33Ko dra hoy i Jeho: "Alasaho izy." Dra nalasak'ereo i Jezebela, dra gny ilany tamigny liony nipirisy tegny amigny rindry vo reo sovala, dra nosihosen'i Jeho tamigny tombony izy. 34Gny fa nilisy tao amigny lapa i Jeho, dra nihina vo nino rano izy. Dra hoy izy: "Atio amizay gny apela voahozo dra angao izy, fa zanak'apelan'i pazaka izy."35Naandeha nandevin'anazy ereo, kanefa sy nahita afa-sy harandoha, vo tomboky, dra gny lelatagnan'ereo. 36Dra niherin'ereo dra nizaka tamin'i Jeho. Hoy izy: "Zao gny zakan'i Yaveh ze nizakany tamigny alalan'i Elia gny Tisibita panopony, manao anizahoky ho: 'Ao amigny tany ao Jezirela gny hihinanan'ireo amboa gny nofon'i Jezebela, 37dra gny fatin'i jezebela dra hanahaky gny zeziky eo amigny velaranigny saka eo amigny tany ao Jezirela, ba sy hisy olo afaky hizaka ho: "Jezebela io.""'
Chapter 10

1Dra nana taranaky fitopolo tagny Samaria i Ahaba. Nanorasy taratasy i Jeho dra nandefa anizay tagny Samaria, ho an'ireo panapaky an'i Jezirela, tao agnatin'izay reo loholo vo reo piamby gny taranak'i Ahaba, nizaka ho: 2"Eo amindrareo reo taranaky gny topondrareo, dra mana kalesa vo sovala dra tana voaaro vo akazo ferovan'avo koa handrareo. Noho zay, raha vo avy eo amindrareo ty taratasy tihoky, 3dra safilio ze soa vo mendriky indrindra amireo taranaky gny topondrareo dra apetraho ho eo amigny seza fiandrianan-drany izy, dra mialia ho anigny fianakavianigny pazaka toponao."4Fa nihorohoro ereo dra nifapizaka ho: "Ingo, pazaka ro aza sy nahazoa teo agnatrehan'i Joho. Ko nagnino moa gny hahazanognasika?" 5Boak'eo gny lelahy ze misaha gny lapa, vo gny loholo nanapaky gny tana, vo reo loholo avo koa, dra reo ze niteza reo zaza, dra nandefa zaka nihery tagny amin'i Jeho, nizaka ho: "Panoponao zahay. Hataonay ze handidianao anay aby, sy hametraky olo ho pazaka zahay. Atovy ze fatasao fa mety eo amasonao6Dra nanorasy taratasy fagnindrony ho anereo i Jeho, nizaka ho: "Raha miandany aminahy handrareo,dra raha miteno gny feoko handrareo, dra sy maisy tapahindrareo gny lohan'ireo lelahy taranaky gny topondrareo, dra mandehana aminahy a Jezirela atiky gny maraindray amigny ora manahaky anizao."Amizao reo taranaky gny pazaka, miisa fitopolo, dra nindray tamireo lelahy manan-daza teo atana, ze niteza anereo. 7Dra gny fa avy teo amin'ereo gny taratasy,dra nalany reo zanadahiny gny pazaka dra nivonony, olo fitopolo, natao tao agnaty taty gny lohan'ereo, dra nalefany tagny amin'i Jeho tagny Jezirela reo.8Nisy pinday hafasy avy teo amin'i Jrho, nizaka ho: "Fa ninday gny lohan'ireo zanadahiny gny pazaka ereo." Dra hoy izy: "Atovy atotan-draha ro ho eo amigny vavahady fidiran'ereo mandra-maray." 9Gny maraindray i Jeho dra niboaky vo nisanga, dra nizaka tamigny vahoak'aby ho: "Sy mana-signy handrareo. Ingo, nikomy tamigny topoko zaho dra namono anazy, fa izao gny namono anitahoky aby?10Amizao dra tokony ho sapandrareo tokoa fa sy nisy taminigny zakan'i Yaveh, gny zaka ze nizakany mahakasiky gny fianakavian'i Ahaba, hiraraky amigny tany, akory Yaveh gny nanao araky ze nizakany tamigny alalan'i Elia panopony." 11Dra nivonon'i Jeho ze sisa tavela atmigny fianakavian'i Ahaba tagny Jezirela, vo reo lelahy manan-daza, reo namany mariny anazy, reo pisorony, mandra-pahalany tamingan'anereo.12Boak'eo dra nisanga i Jeho dra nandeha; nagnagny Samaria izy. Dra raha vo avy tao Bet-ekedanigny piarak'agnondry izy, 13dra nifanena tamireo rahalahin'i Ahazia pazakan'i Joda. Hoy i Jeho tamin'ereo: "Iza handrareo?" Namaly ereo ho: "Rahalahin'i Ahazia zahay, dra hizoso ba hiarahaba reo zanaky gny pazaka vo reo zanak'i Jezebela pazakavavy zahay." 14Hoy i Jeho tamireo lelahy: "Atovy sambo-belon'ereo." Dra nataon'ereo sambo-belo ereo dra nivonony tagny amigny lavaky famorian-dranon'i Bet-ekda, reo ro amby efapolo lahy. Sy nisy nangany ho velon'ereo.15Gny fa niala teo i Jeho, dra nifanena tamin'i Jonadaba zanadahin'i Rekaba dra nagnaton'anazy. Niarahaba anazy i Jeho dra nizaka taminazy ho: "Miaraky aminahy ra gny fonao, manahaky gny foko ze miarak'amigny anao?" Namaly i Jonadaba ho: "Zay tokoa." Hoy i Jeho : "Raha izay tokoa gny izy, dra atolory anahy gny tagnanao." Dra natolos'i Jonadaba anazy gny tagnany, dra napekarin'i Jeho nindray taninazy teo amigny kalesiny i Jonadaba. 16Hoy i Jeho " Miaraha aminahy dra atio gny zoto-poko ho an'i Yaveh." Dra nindray nandeha taminazy tao amigny kalesiny i Jonadaba. 17Raha avy tagny Samaria izy, dra nivonon'i Jeho avokoa gny taranak'i Ahaba ze sisa tavela tagny Samaria, mandrapandringanany gny fianakavian'i Ahaba pazaka, araky ze fa nizaka tamin'ereo tagny aloha tamigny alalanigny zakan'i Yaveh, ze nizakany tamin'i Elia.18Dra napivory gny olon'aby i Jeho dra nizaka tamin'ereo ho: "Ahaba dra nanopo an'i Bala kelikely avo, fa i Jeho koa hanopo anazy fatrasy. 19Amizao dra tokavo ho eto aminahy reo paminan'i Bala aby, vo reo panopo anazy aby, dra reo pisorony aby. Aoky sy hisy tavela, akory mana fagnatisy lahibe hatolosy ho an'i Bala zaho. Ze sy avy dra sy ho velo." Fa nataon'i Jeho zay ba ho famitaha, tamigny fikasany hamono reo panopon'i Bala. 20Hoy i Jeho: "Manokana fotoa raiky ba hanova fivoria ho an'i Bala." Dra nitalilin'ereo zay.21Dra nagniraky maneran'an'iIsraely aby vo reo panopo an'i Bala aby i Jeho, ba sy hisy olo tavela dra sy avy. Avy tao amigny tepolin'i Bala ereo, dra feno na hatreza na hatreza. 22Nizaka tamigny lelahy pitahiry gny akazonigny pisoro i Jeho ho: "Mamoaha akazo ho an'ireo pisoron'i Bala aby." Dra namoaky akazo honazy reo gny lelahy.23Dra lasa nindray tamin'i Jonadaba zanadahin'i Rekaba ho ao atragnon'i Bala i Jeho, dra hoy izy tamireo panopon'i Bala: "Atio, dra atovy azo atoky fa sy hisy boak'amigny panopon'i Yaveh gny raiky amindrareo eto, fa panopon'i Bala avo." Dra nandeha nanolosy soro vo fagnatisy oroa ereo. Dra nifily lelahy valopolo hisangan'eo ivelany i Jeho, dra hoy izy tamin'ereo: "Raha misy tafenga amireo lelahy ze andesiko eo atagnandrareo, na iza naiza mamela anizay olo zay haenga, dra halan'aminazy gny ainy ho solonigny tafenga."25Dra vatany vo vitan'i Jeho gny fanolora gny fagnatisy oroa, dra hoy izy tamigny piamby vo reo kapiteny: "Midira dra vonoy ereo. Ka anga hisy ho tafaboaky." 26Dra nivonon'ereo tamigny lela-mesa reo, dra gny piamby vo reo kapiteny nagnary anereo tagny ivelany dra nilisy tao agnefisy agnatinigny tragnon'i Bala. Nitarihin'ereo niboaky gny nandigny vato tao atragnon'i Bala, dra noroan'ereo zay. 27Boak'eo dra narodan'ereo gny andrian'i bala, dra niravany gny tragnon'i Bala dra nataony tragno fiboaha, dra mandrak'amizao zay. 28Manahaky anizay gny nandravan'i Jeho gny fanopoa an'i Bala tagny Israely.29Kanefa sy nagnenga reo fahotan'i Jeroboama zanadahin'i Nebata i Jeho, ze napagnotany gny Israely_ze fanopoa gny agnombilahy kely volamena tagny Betela vo Dana. 30Dra hoy i Yaveh tamin'i Jeho ho: "Akory hanao nanao soa tamigny fanatateraha ze mary teo amasoko, dra nanao gny akohonan'i Ahaba araky ze tato apoko aby, reo taranakao dra hitoby eo amigny seza fiandrianan'Israely hatramigny taranaky fahaefasy." 31Fa sy niraraha ze handeha amigny lalan'i Yaveh, gny Zagnaharin'Israely, tamigny fony manotolo i Jeho. Sy niala tamigny fahotan'i Jeroboama izy, ze napagnotany gny Israely.32Tamireo andro reo i Yaveh gny nanomboky nametra gny faris'Israely, dra i Hazaela nandresy reo Israelita tegny amigny sisi-taninigny Israely, 33hatragny Jordana gny ho magnasignana, gny tanin'i Gileada aby, gny Gadita, dra gny Robenita, vo gny Manasita, boak'agny Aroera, ze avy eo amigny lohasakan'i Arnona, hatragny Gileada dra hatragny Basana.34Raha gny amireo raharaha hafa mahakasiky an'i Jeho, vo ze nataony aby, vo gny fahefany aby, moa sy fa voasorasy ao amigny bokinigny tataranigny pazakan'Israely ra zay? 35Nimaty niaraky tamireo razambeny i Jeho, dra nangan'ereo tagny Samaria izy. Dra i Joahaza zanany lahy gny lasa pazaka nandimby anazy. 36Valo amby ropolo tao gny fotoa nazakan'i Jeho teo amin'Israely tagny Samaria.
Chapter 11

1Nony hitan'i Atalia, renin'i Ahazia, fa maty gny zanany, dra nisanga izy dra namono gny zanaky gny pazaka aby. 2Nefa i Joseba, zanakapelan'i Jehorama pazaka vo anabavin'i Ahazia, dra nangalaky an'i Joasy zanak'i Ahazia, dra nagnavony anazy lavisy teo amireo zanaky gny pazaka ze nivono, miaraky amigny piteza anazy; nataony tao amigny efitragno fandrian'ereo. 3Navonin'ereo an'i Atalia izy va sy hovona. Nindray tamin'i Joseba izy, navony tao atragnon'i Yaveh, nandrisy gny eny tao, raha bo nazaka teo amigny tany i Atalia.4Dra tamigny tao fahafito, dra nandefa hafasy vo ninday reo pifehy gny Karita vo gny piambin'azatony i Joiada, dra ninday anereo ho anazy, tao atepolin'i Yaveh. Dra nanao fagneke tamin'ereo izy, dra nasainy nanao voady tao atragnon'i Yaveh ereo. Boak'eo dra nasehony anereo gny zanaky gny pazaka. 5Nibaiko anereo izy, nanao anizahoky ho: "Iza gny sy maisy ataondrareo. Gny telo amireo ze avy amigny andro Sabata dra hiamby gny tragnonigny pazaka, 6dra gny telo ho ao amigny Vavahadigny Soro, dra gny telo ao ambavahady ao afaranigny tragno fembena."7Reo vondro ro hafa ze sy manopo amigny andro Sabata, dra sy maisy miamby gny tragnon'i Yaveh ho anigny pazaka handrareo. 8Tokony mihodidy gny pazaka handrareo, dra gny olon'aby miarak'amigny fitova-pelia egny atagnany. Na iza naiza milisy eo andaharandrareo, dra aoky hovono izy. Sy maisy hagnaraky gny pazaka handrareo aby miboaky, vo gny fa milisy izy.9Dra reo pifehy azatony dra nakato gny raha aby ze nandidian'i Joiada pisoro. Samby nangalaky gny olony gny sirairay, reo ze nilisy ba hanopo tamigny Sabata, vo reo ze hisahasy hanopo tamigny Sabata; dra nandeha tagny amin'i Joiada pisoro ereo, 10Dra namen'i Joiada pisoro gny pifehy azatony gny lefo vo gny apinga ze an'i Davida pazaka vo ze tao atragnon'i Yaveh.11Dra nisanga reo piamby, gny olo sirairay miaraky amigny fitova-pialia egny atagnany, teo akavananigny tepoly hatragny akavia, agnilanigny alitara vo gny tepoly, miodidy gny pazaka. 12Dra nandesin'i Joiada niboky i Joasy zanaky gny pazaka, nametrahany satro-boninahisy, dra nagnome anazy gny didy fagneke. Dra nataony pazaka vo nalan'ereo izy. Nitehaky ereo dra nizaka ho: "Ho ela velon'anie gny pazaka!"13Gny fa ren'i Atalia gny tabataban'ireo piamby vo gny olo, dra nagnao amigny olo tao atragnon'i Yaveh izy. 14Nagnety izy, dra ingo, gny pazaka nisanga teo agnilanigny sangam-bato, araky gny fanao, dra reo kapiteny vo reo pisioky tropetra dra teo agnilanigny pazaka. Dra gny olon'aby teo amigny tany dra nifaly vo nisioky tropetra. Dra naniasy gny akazony i Atalia dra nkioky fatrasy ho: "Pamadiky! Pamadiky!"15Boak'eo i Joiada pisoro nandidy reo pifehy azatony ze teo amigny tafiky, nanao anizahoky ho: "Aboaho eo andahara izy. Na iza na iza magnarak'anazy, dra vonoy amigny mesa izy." Fa gny pisoro nizaka ho: "Ka anga hovono ao atragnon'i Yaveh izy." 16Dra nisambosy anereo raha avy teo amigny toera ze fidiranigny sovala ao akiazanigny lapa izy, dra teo gny namonoan'anazy.17Dra nanao fagneke teo amin'i Yaveh vo gny pazaka dra gny vahoaky i Joiada, dra teo amigny pazaka vo gny olon'avo koa, ba ho olon'i Yaveh ereo. 18Dra gny olon'aby teo amigny tany nagnagny amigny tragnon'i Bala dra nanola anizay. Namotipotiky reo alitaran'i Bala vo gny sapiny vosokitra ereo, dra namono an'i Matana, gny pisoron'i Bala teo anoloan'ireo alitara ereo. Dra Joiada pisoro nanendry reo piamby hifehy gny tepolin'i Yaveh.19Nandesin'i Joiada nagnarak'anizay gny pifehy azatony, reo karita, gny piamby, dra gny olon'aby teo amigny tany, dra nindray naday gny pazaka nizoso boak'agny atragnon'i Yaveh ereo, dra nilisy tao atragnonigny pazaka, milisy amigny lalan'eo ambavahadin'ereo piamby. Nangalaky gny toerany teo amigny seza fiandriananigny pazaka i Joasy. 20Dra nifaly gny olon'aby teo amigny tany, dra nilamy gny tana tafaranigny namonoan'an'i Atalia tamigny mesa tao atragnonigny pazaka.21Fito tao i Joasy gny nanomboky nazaka.
Chapter 12

1Taminigny fahafito tao nazakan'i Jeho, gny nanomboky gny fazakan'i Joasy; nazaka nandrisy gny efapolo tao tao Jerosalema izy. Zibia gny agnaran-dreniny, boak'agny Beri-sheba. 2Nanao ze mary teo amason'i Yaveh i Joasy tamigny fotoan'aby, akory napianasy anazy i Joiada pisoro. Kanefa reo toera abo sy nirava. 3Bo nanao soro vo nagnoro liti-kazo magnisy teo amireo toera abo avo gny vahoaky.4Hoy i Joasy tamireo pisoro ho: "Gny vola aby ze nandesy ho fagnatisy masy tao atragnon'i Yaveh, dra gny vola ze nitomboanigny olo sirairay__na gny vola navory tamigny fagnisam-bahoaky zay, na gny vola azo tamigny voady manoka, na gny vola nandesinigny olo tamigny fandrisihan'i Yaveh tao apon'ereo ba hagnome__5dra tokony ho resin'ireo pisoro gny vola dra hamboasy ze fahavoaza hita tao atepoly."6Fa tamigny fahatelo amby ropolo tao nazakan'i Joasy pazaka, dra sy namboasy na ino na ino tao atepoly reo pisoro. 7Dra nitoka an'i Joiada pisoro vo reo pisoro hafa i Joasy pazaka; hoy izy tamin'ereo ho: "Nagnino handrareo gny sy namboasy na ino na ino tao atepoly? Amizao ka mangalaky vola amigny pandoahetra sasy, fa reso ze fa voavory ba hamboara gny tepoly dra omeo an'ireo ze afaky manao gny famboaran'anizay."8Noho zay dra nagneky sy hitaky vola amigny vahoaky vo sy hamboasy gny tepoly sasy reo pisoro.9Fa koa, nangalaky vata raiky i Joiada pisoro, nandoaky gny akazony, dra nametraky anizay teo agnilanigny alitara, teo akavananigny fidiran'ao amigny tragnon'i Yaveh. Reo pisoro ze nandigny gny fidiran'ao atepoly dra nametraky gny vola aby ze nandesiny ho ao atragnon'i Yaveh tao amizay. 10Isaky gny hitan'ereo fa be vola tao agnatinigny vata, dra avy gny panora-dalanigny pazaka vo gny pisorom-be dra nametraky gny vola tao agnaty kitapo dra magnisa anizay boak'eo, gny vola hita tao atepolin'i Yaveh.11Natolos'ereo teo atagnan'ireo lelahy ze nikarakara gny tepolin'i Yaveh gny vola ze voalaza. Namen'ereo an'ireo pandrafisy vo reo pamboasy ze niasa tao atepolin'i Yaveh zay. 12dra ho an'ireo panao tragno vo reo pazera vato, ba hiviliana hazo vo vato voazera ba hamboara gny tepolin'i Yaveh, vo ho anigny raha aby ze taliavy vily hamboaran'anizay.13Fa gny vola nandesy tao atragnon'i Yaveh dra sy nagnomeza hiviliana apendra volafosy, asy, koveta, tropetra, na fanaky volafosy na volamena ho anizay. 14Namen'ereo an'ireo ze nanao gny asa fagnamboara gny tragnon'i Yaveh ze vola zay.15Fagnapin'izay, sy nangataky gny vola name hanova fagnamboara ba ho isan'ireo lelahy ze nandray anizay ereo dra nagnome anizay ho an'ireo piasa, akory mary reo lelahy reo. 16Fa gny vola ho anigny fagnatisy nohonigny heloky vo gny fagnatisy nohonigny ota dra sy nandesy tao atepolin'i Yaveh, akory an'ireo pisoron'anizay.17Dra nanafiky vo nialy tamin'i Gata i Hazaela pazakan'i Syria, dra nahazo anizay. Boak'eo dra nitoliky hanafiky an'i Jerosalema i Hazaela. 18Nalan'i Joasy pazakan'i Joda gny raha aby ze natokan'i Josafata vo Jehorama dra Ahazia, reo razambeny, reo pazakan'i Joda, vo reo volamena hita tao amigny efisy fitehiriza tao atragnon'i Yaveh vo gny pazaka dra nandefa reo tany amin'i Hazaela pazakan'i Syria. Dra lasa niala tao Jerosalema i Hazaela.19Raha gny amireo raharaha hafa mahakasiky an'i Joasy, ze nataony aby, moa sy fa voasorasy ao amigny bokinigny tataran'ireo pazakan'i Joda ra zay? 20Nisanga reo panopony dra nindray nanao tetiky; nitafihin'ereo tagny Beti-milo i Joasy, agny amigny lala miziso magnagny Sila. 21Nitafihin'i Jozakara zanadahin'i Simata, vo Jozababa zanadahin'i Somera, panopony izy, dra maty. Nangan'ereo nindray tamin'ireo razambeny tao amigny tanan'i Davida i Joasy, dra Amazia, zanadahiny, gny lasa pazaka teo amigny toerany.
Chapter 13

1Tamigny taona fahatelo amby ropolo naha-pazakan'i Joda an'i Joasy zanaky lahin'i Ahazia, gny nanomboky nazaka teo amin'Israely tagny Samaria i Joahaza; fito ambin'ny folo taona izy gny nazaka. 2Nanao izay rasy teo amason'i Yaveh izy dra nagnoriky ireo fahotan'i Jeroboama zanaky lahin'i Nebata, izay nahavy an'Israely hanota; dra sy niala tamin'izay i Joahaz.3Nieriserisy tamin'Israely gny fahatezeran'i Yaveh, dra nagnome anazy ireo tegny atanan'i Hazaela pazakan'i Syria hatragny izy dra tegny atanan'i Beni-hadada zanaky lahin'i Hazaela. 4Dra niangavy an'i Yaveh i Joahaza, dra niteno anazy izy satria hitany gny fapahoriana gny Israely, gny fomba napahorian'ny pazakan'i Syria anazy ireo. 5Dra namen'i Yaveh pamozy gny Isarely, dra nisoaky avy tamigny tagnan'ireo Syriana izy ireo, dra gny zanak'Israely nanomboky nitoetra tagny amin'ireo fonenany arak'izay nanagnan'izay ireo tagny aloha.6Na izay aza anefa, dra sy niala tamin'ireo fahotanigny akohonan'i Jeroboama ereo, ze nahavy gny Israely hanota, dra nanohy anizay ereo, dra gny baon'Aseraha nizano tagny Samaria. 7Dra nagnenga an'i Joahaza reo Syriana nindray tamigny pitikisy sovala dimapolo, kalesa folo, dra miaramila atomboky hariva raik'avo, fa gny pazakan'i Syria fa nandrava anereo, dra nanao anereo manahaky gny lila amigny fotoa fagnahafa vary.8Raha gny amireo raha hafa mahakasiky an'i Joahaza, vo ze nataony aby dra gny fahefany, moa sy fa voasorasy ao amigny bokinigny tataran'ireo pazakan'Israely ra zay? 9Dra nimaty tagny amireo razany i Joahaza, dra nandevin'anazy tagny Samaria ereo. Dra i Joasy zanadahiny gny lasa pazaka teo amigny toerany.10Tamigny tao fahafito amby telopolo naha-pazakan'i Joda an'i Joasy, gny fazakan'i Joasy zanadahin'i Joahaza dra nanomboky teo amin'Israely tagny Samaria, enina ambiny folo tao gny nazakany. Nanao rasy teo amason'i Yaveh izy. 11Sy bo niala tamireo fahotan'i Jeroboama zanadahin'i Nebata izy, zay napahavy an'Israely hanota, saingy tagny amiregny gny nandehanany.12Raha gny amireo raha hafa mahakasiky an'i Joasy, vo ze nataony aby, dra gny heriny tamizay niandiany tamin'i Amazia pazakan'i Joda, moa sy fa voasorasy ao amigny bokinigny tataran'ireo pazakan'i Israely ra zay? 13Dra nimaty tagny amireo razambeny i Joasy, dra i Jeroboama gny nipetraky teo amigny seza fiandrianany. Dra nalevy niaraky tamireo pazaka tagny Samaria i Joasy.14Dra narary nohonigny arety raiky ze nahafaty anazy i Elisa taty afara, dra nizoso tagny aminazy i Joasy pazakan'Israely dra nitomagny teo aminazy. Hoy izy ho: "Ry rako, ry rako, reo kalesanigny Isrealy vo gny pitikisy sovala gny mangalak'anao!" 15Dra hoy i Elisa taminazy: "Mangala sipiky dra zana-sipiky maromaro" dra nangalaky sipiky vo zana-sipiky maromaro i Joasy. 16Hoy i Elisa tamigny pazakan'Israely ho: "Atovy eo amigny sipiky gny tagnanao," dra nataony teo amizay gny tagnany. Boak'eo napetrak'i Elisa teo amigny tagnany pazaka gny tagnany.17Hoy i Elisa ho: "Sokafo magnasignana gny vatrangarakely." Dra nisokafiny zay. Dra hoy i Elisa ho: "Tifiro", dra nitifisy izy. Dra hoy i Elisa: "Zay gny zana-sipi- pandresen'i Yaveh, zana-sipi-pandresen'i Yaveh teo amin'i Syria, fa hanafiky reo Syriana agny Afeka hanao mandra-pahalevonao anereo." 18Dra hoy i Elisa ho: "Reso reo zana-sipiky," dra niraisin'i Joasy reo. Dra hoy izy tamigny pazakan'Israely ho: "Zerao amiregny gny tany," dra nazera gny tany itelo izy, dra nizano boak'eo. 19Saingy ory taminazy gny lelahin'Agnahary dra nanao anizahoky ho: "Tokony indimy na ineny gny namelezanao gny tany. Boak'eo dra tokony nanafiky an'i Syria hanao mandrapaharinganao zay, nefa amizao itelo avo hanao gny hanafiky an'i Syria."20Boak'eo dra maty i Elisa, dra nandevin'anazy ereo. Dra nisy andia Moabita nanafiky gny tany tamigny fiatombohany gny tao. 21Raha nandevy gny lelahy ereo, dra nahita andia Moabita raiky izy, dra nagnary gny vata tao an-dolon'i Elisa. Raha vatany vo nahakasiky gny tolan'i Elisa gny vata mangasiakigny lelahy, dra velo ndraiky izy dra nisanga.22Napahory reo Israely tamigny andron'i Joahaza paza aby i Hazaela pazakan'i Syria. 23Nefa namindra fo gny Israely i Yaveh, dra nangoraky anazy reo dra nihasy anereo, nohonigny fagneke-pihavana nataony tamin'i Abrahama, Isaka, dra i Jokoba. Dra sy nandringan'anereo i Yaveh, dra bo sy nandroaky anereo atmigny fagnatrehany Izy. 24Maty i Hazaela pazakan'i Syria, dra i Beni-hadada zanadahiny gny lasa pazaka teo amigny toerany. 25Nagnery reo tana ze nala tam'i Joahaza rany tamigny aly tamin'i Beni-hadada zanak'i hazaela i Joasy zanak'i Hazaela. Itelo i Joasy gny nanafiky anizay, dra nangalaky reo gny tanan'Israely reo nadraiky izy.
Chapter 14

1Tamy faharo tao naha-pazaka an'i Joasy zana-dahin'i Joahaza, pazakan'i I sraely, dra nanomboky nazaka i Joasy, pazakan'i Joda. 2Dimy amby ropolo tao izy gny nanomboky nazaka; nazaka sivy amby ropolo tao teo Jerosalema izy. Gnagnarany reniny dra i Joadana, avy agny Jerosalema. 3Nanao izy mary teo amason'i Yaveh izy, fa sy manahaky an'i Davida babany. Izy dra nanao gny raha aby izy nataon'i Joasy, babany.4Saiky sy honalasitagny ereo toera agnabo. Nanohy nanao soro sy nagnoro ditin-kazo manitra zaka amin'ereo toera agnabo ereo gny olo. 5Dra raha vatany agnabo tafapetraky soa gny fitondrany, dra nivono ereo mpanompo ze namono gny babany, dra gny pazaka.6Fa bo sy vononony gny zanak'ereo mpamono olo, fa nanao araky gny voasorasy tao amy lala, tao amy. Gny Bokin'i Mosesy koa izy, araky gny fa nandidian'i Yaveh, nanao ho: '' sy tokony ho vono nohon'ny fahoton'ereo zanany ereo dra, na hovono nahony fahotan'ereo ray aman-dreny ereo zanany. Fa gny olo kiraikiraiky koa dra tokony hovono nohon'ny fahotany manoka.'' 7Netono miaramila Edomita hariva raiky izy tao amin'ny lohasan-sira izy; nalany tagny agnaly koa i Sela, dra tonoka ho: Joktela, zay gny fitokava-nanazy disiky amizao.Dra nandefa mpinday hafasy hognany amin'iJoasy zana-dahin'i Joahaza, zana-dahin'i Jeho, mpazakan'Israely i Amazia nanao ho: ''Avia, mandao sika hifanandrina agny agnaly.'' 9Saiky Joasy mpazakan'Israely dra nandefa mpinday hafasy hihery tany amin'i Amazia mpazakan'i Joda, nanao ho:''Gny silo zay tagny Libanona dra nampanday hafasy hognany sedera tao Libanona, nanao ho: 'Ameo ho valin'ny zanako lelahy gny zanako ampela,' saiky nisy bibi-dia nandriosy dra nagnisaky gny silo. 10Fa nanafiky an'i Edoma tokoa hanao, fa nanandrasy anao gny fonao. Mirehareha amin'ny fandresenao, saiky mizano ao atragno, fa nanao akory hanao gny tokony hagnakoroya sy handavo gny vatanao, dra hanao sy i Joda niaraky taminao?''11Fa sy niteno i Amazia. dra nanafiky i Joasy mpazakan'Israely dra nifakatri-tarehy tao Bety-semesy izy sy Amazia, mpazakan' Joda, ze an'i Joda. 12Resin'Israely i Joda, dra nienga noly gny lelahy aby.13Nisamborin'i Joasy mpazakan'Israely tao Beti- semesy i Amazia mpazakan'i Joda zanak'i Joasy zana-dahin'i Ahazia. Avy tao Jerosalema izy dra nandroda gny ridry nanomboky teo amy vavahadin'i Efraima disiky amy vavahady Zorony, efazato hakiho gny halavirany. 14Nalany avokoa gny volamena sy gny volafosy aby, Ereo aby hita tao an-tragnon'i Yaveh, sy ereo raha manan-daza aby tao amy lapany npazaka, niaraky, tamin'ereo takalon'ignay koa, dra nihery tagny Samaria izy.15Raha gny amireo raha hafa mahakasiky an'i Joasy, ze nataony aby, gny fahefany, dra gny fomba nialiany tamin'i Amazia pazakan'i Joda, moa sy fa voasorasy ao agnatiny gny bokinigny tataran'ireo pazakan'Israely ra zay? 16Dra nimaty nindray tamireo razambeny i Joasy dra nalevy tagny Samaria nindray tamireo pazakan'Israely, dra Jeroboama, zanadahiny, gny lasa pazaka nandimby anazy.17Amazia zanak'i Joasy, pazakan'i Joda, dra niay diny ambiny folo tao tafaranigny nahafatesan'i Joasy, zanak'i Joahaza, pazakan'Israely. 18Raha gny amireo raha hafa mahakasiky an'i Amazia, moa sy fa voasorasy ao agnatinigny bokinigny tataran'ireo pazakan'i Joda ra zay? 19Nanao tetiky hanohera an'i Amazia tao Jerosalema ereo, dra nienga tagny Lakisy izy. Nienga tagny Lakisy izy, saiky nandefa lelahy hagnarak'anazy tagny Lakisy ereo dra nameno anazy tagny.20Nandesin'ereo nihery tamigny sovala izy, dra nalevy nindray tamireo razambeny tao amigny tanan'i Davida. 21Gny vahoak'i Joda aby dra nangalaky an'i Azaria, ze enina ambiny folo tao, dra nanao anazy ho pazaka teo amigny toeran'i Amazia rany. 22Azaria gny nagnory ndraiky an'i Elota dra nagnery anizay tao Joda, dra nimaty nindray tamireo razambeny i Amazia.23Tamigny fahadimy ambiny folo tao naha-pazaka an'i Amazia, zanadahin'i Joasy pazakan'i Joda, gny nanombohan'i Jeroboama zanadahin'i Joasy pazakan'i Israely nazaka tao Samaria; nazaka nandrisy gny raiky ambiny Samaria; nazaka nandrisy gny raiky amby efapolo tao izy. 24Nanao rasy teo amason'i Yaveh izy. Sy niala tamireo fahota nataon'i Jeroboama zanadahin'i Nebata izy, ze nahavy gny Israely hanota. 25Nagnery gny sisi-tanin'Israely nanomboky teo Lebo Hamata hatragny amigny Ranomasinigny Araba izy araky gny zakan'i Yaveh, gny Zagnaharin'Israely, ze fa nizakany tamin'i Jona panopony zanak'i Amitahy, gny paminany, boak'agny Gata-hefera.26Fa hitan'i Yaveh gny fizalian'Israely, ze tena naharary tamigny sirairay, na gny andevo na gny afaky, dra sy nisy pagnavosy gny Israely. 27Dra nizaka i Yaveh fa sy hanola gny agnaran'Israely eo amigny ambany lagnisy Izy, fa nivozeny tamigny alalanigny tagnan'i Jeroboama zanak'i Joasy koa ereo.28Raha gny amireo raha hafa mahakasiky an'i Jeroboama, reo ze natao aby, gny fahefany, gny nialiany vo nagneregnany an'i Damaskosy vo Hamata, ze an'i Joda, ho an'Israely, moa sy fa voasorasy ao amigny bokinigny tataran'ireo pazakan'Israely ra zay? 29Nimaty nindray tamireo razambeny i Jeroboama, nindray tamireo pazakan'Israely, dra i Zakaria zanadahiny gny lasa pazaka teo amigny toerany.
Chapter 15

1Tamigny tao fahafito amby ropolo nazakan'i Jeroboama pazakan'Israely, gny nanomboky nazaka i Azaria zanak'i Amazia pazakan'i Joda. 2Enina ambiny folo tao i Azaria gny nanomboky nazaka dra nazaka tao Jerosalema nandrisy gny ro amby dimapolo tao izy. Jekolia gny agnaran-dreniny, dra boak'agny Jerosalema izy. 3Nanao marina teo amason'i Yaveh izy, araky ze nataon'i Amazia rany.4Na dre zay aza dra sy ba nala reo toeran'abo. Bo nanao soro vo nagnoro liti-kazo magnisy teo amireo toeran'abo avo gny olo. 5Napahory gny pazaka i Yaveh dra boka hatramigny andro nahafatesany izy dra nitoby tao amina tragno mizara-toera. Jotama, zanadahinigny pazaka, gny lohanigny akohona dra nanapaky teo amigny vahoaky tao amigny tany.6Dra gny amireo raharaha hafa mahakasiky an'i Azaria, vo ze nataony aby, moa sy fa voasorasy ao amigny bokiny tataran'ireo pazakan'i Joda ra zay? 7Dra nimaty nindray tamireo razambeny i Azaria, nalevin'ereo tagny amigny tanan'i Davida nindray tamireo razambeny izy. I Jotama, zanadahiny, gny lasa pazaka nandimby gny toerany.8Tamigny fahavalo amby telopolo tao nazakan'i Azaria pazakan'i Joda, dra i Zakaria zanak'i Jeroboama gny nazaka teo amin'Israely tagny Samaria nandrisy gny enim-bola. 9Nanao ze rasy teo amason'i Yaveh izy, manahaky gny nataon'ireo razany. Sy niala tamigny fahotan;i Jeroboama zanak'i Nebata, ze nahavy gny Israely nanota izy.10Nikonokono hanohisy an'i Zakaria i Saloma zanak'i Jabesy, nanafiky anazy tagny Ibleama, dra namono anazy. Dra lasa pazaka nandimby gny toerany izy. 11Gny amigny raharaha hafa mahakasiky an'i Zakaria, dra voasorasy ao amigny bokinigny tataran'ireo pazakan'Israely reo. 12Zao gny zakan'i Yaveh ze zinakany tamin'i Jeho, manao ho: "Hipetraky eo amigny seza fiandriananIsraely hatramigny taranaky fahaefasy mandimby gny taranakao." DRa nitranga zay.13Nanomboky nazaka i Saloma zanak'i Jabesy tamigny fahasivy amby telopolo tao nazakan'i Azaria pazakan'i Joda, dra nazaka volany raiky moza tao Samaria izy. 14Dra niakasy boak'agny Tirza ho agny Samaria i Menahema zanak'i Gady. Tagny gny nanafihany an'i Saloma zanak'i Jabesy, tao Samaria. Nahafaty anazy izy dra tonga pazaka nandimby gny toerany.15Gny amigny raharaha hafa mahakasiky an'i Saloma vo gny fikonokonoa narafiny, dra voasorasy ao amigny bokinigny tataranireo pazakan'Israely zay. 16Dra nanafiky an'i Tifsa vo reo ze teo aby, vo gny sisi-tany nagnodidin'an'i Tirza i Menahema, akory sy nivohan'ereo honazy gny tana. Dra nitafihiny zay, dra nitatahiny avokoa reo apela bevoka tao amizay tana zay.17Tmigny fahasivy amby telopolo tao nazakan'i Azaria pazakan'i Joda, dra nanomboky nazaka teo amin'Israely i Menahema zanak'i Gady; nazaka nandrisy gny folo tao tao Samaria izy. 18Nanao rasy teo amason'i Yaveh izy. Nandrisy gny andro-piegnany, dra sy niala tamigny fahotan'i Jeroboama zanak'i Nebata izy, ze nahaavy gny Israely nanota.19Dra Avy hanohisy gny tany i Pola pazakan'i Asyria, dra namen'i Menahema taleta volafosy arivo i Pola, ba homba anazy gny fanohagnan'i Pola dra hapatazaky gny fazakan'Israely teo atanany. 20Nalan'i Menahema boak'amigny Israely tamigny alalanigny fitakia gny olo manan-draha sirairay ba handoa sekely volafosy dimapolo ba hagnome gny pazakan'i Asyria io vola io. Dra nitoli-doha nihery gny pazakan'i Asyria dra sy nitoetra tao amigny tany.21Raha gny amireo raharaha hafa mahakasiky an'i Menahema, vo reo nataony aby, moa sy fa voasorasy ao amigny bokinigny tataran'ireo pazakan'i Israely ra zay? 22Dra nimaty nindray tamireo razambeny i Menahema, dra i Pekahia zanany gny lasa pazaka nandimby gny toerany.23Dra tamigny faha-dimapolo tao nazakan'i Azaria pazakan'i Joda, gny nanomboky nazaka teo amin'Israely tao Samaria i Pekahia zanak'i Menahema; nazaka nandrisy gny ro tao izy. 24Nanao rasy teo amason'i Yaveh izy. Sy ba nagnary gny fahotan'i Jeroboama zanak'i Nebata, ze nahavy gny Israely nanota izy.25Nana lefisy raiky natao ho: Peka zanak'i Remalia i Pekahia, ze nikonokono hanohisy anazy. Nindray tamireo dimapolo lahin'i Gileada, dra namono an'i Pekahia vo Argoda dra Aria tagny Samaria i Peka, tao amigny tragno mimandanigny lapany pazaka. Nivonon'i Peka i Pekahia dra izy gny lasa pazaka nandimby gny toera. 26Raha gny amigny raharaha hafa mahakasiky an'i Pekahia, vo reo nataony aby, dra voasorasy ao amigny bokinigny tataran'ireo pazakan'Israely zay.27Tamigny faharo amby dimapolo tao nazakan'i Azaria pazakan'i Joda, gny nanombohan'i Peka zanak'i Remalia nazaka teo amin'Israely tao Samaria; nazaka nandrisy gny ropolo tao izy. 28Nanao rasy teo amason'i Yaveh izy sy niala tamigny fahotan'i Jeroboama zanak'i Nebata, ze nahavy gny Israely nanota izy.29Tmigny andron'i Peka pazakan'Israely, dra avy nangalaky an'Iona, Abela-beti-maka, Janoa, Kadesy, Hazora, Gileada, Galilia, dra gny tanin'i Naftaly aby i Tiglato-pilesera pazakan'i Asyria. Dra ninday gny vahoaky nagnagny Asyria izy. 30Ko dra nandrafisy fikono-konogna nanohisy an'i Peka zanak'i Remalia i Hosea zanak'i Ela. Nanafiky anazy izy dra namono anazy. Dra nazary pazaka nandimby gny toerany izy, tamigny faharopolo tao nazakan'i Jotama zanak'i Ozia. 31Raha gny amigny raharaha hafa mahakasiky an'i Peka, vo ze nataony aby, dra voasorasy ao amigny bokinigny tataranireo pazakan'Israely zay.32Tamigny tao faharo nazakan'i Peka zanak'i Remalia, pazakan'Israely, dra nanomboky nazaka i Jonata zanak'i Azaria, pazakan'i Joda. 33Dimy amby ropolo tao izy nanomboky nazaka; nazaka nandrisy gny enina ambiny folo tao tao Jerosalema izy. Jerosa gny agnaranigny reniny; zanakapelan'i Zadoka izy.34Nanao marina teo amason'i Yaveh i Jotama. Nagnaraky gny ohasy aby ze nataon'i Azaria rany izy. 35Kanefa, sy ba nala reo toeran'abo. Bo nanao soro vo nagnoro liti-kazo magnisy teo amireo toeran'abo avo gny vahoaky. Nasangan'i Jotama gny vavahady agnabon'i Yaveh. 36Raha gny amireo raharaha hafa mahakasiky an'i Jotama, vo ze nataony aby, moa sy fa voasorasy ao amigny bokinigny tataranireo pazakan'i Joda ra zay? 37Tamizay andro zay Yaveh dra nanomboky nagniraky an'i Rezina pazakan'i Arama, vo Peka zanak'i Remalia, hanohisy an'i Joda. 38Nimaty nindray tamireo razambeny i Jotama dra nalevy nindray tamireo razambeny i Jotama dra nalevy nindray taminireo razambeny tao amigny tanan'i Davida, razany. Dra i Ahaza, zanadahiny, gny lasa pazaka nandimby gny toerany.
Chapter 16

1Tamy gny fahafito ambin'ny folo tao nazakan'i Peka zanak'i Remalia, gny nanomboky nazaka i Ahaza zanakin'i Jotama mpazakan'i Joda. Ropolo tao i Ahaza gny nanomboky nazaka, nazaka nadrisy gny fito ambin'ny folo tao tao Jerosalema izy. Sy nanao zay marina teo amason'i Yaveh Zagnahariny, manahaky gny nataon'i Davida razambeny izy.3Fa koa, nagnaraky gny lalan'ereo mpazakan'Israely izy; nayaony tao agnaty afo ho fagnatisy oroa gny zana-dahiny, ho fagnaraha ereo fampianara rasin'ereo firenena, ze fa niroahin'i Yaveh teo anoloan'ny vahoak'Israely. 4Nanolosy fagnatisy izy sady nagnoroditi-kazo magnisy tagny amin'ereo toera agnabo amin'ereo havoany, dra tegny agnabo hazo meso aby.5Dra i Rezina, mpazakan'i Syria sy Peka zanak'i Remalia, mpazakan'Israely dra niakasy ba hanafiky an'i Jerosalema. Nanao fahirano an'i Ahaza ereo, nefa sy naharesy anazy ereo. 6Tamizay fotoa zay, i Rezina mpazakan'i Syria dra nihery nangalaky an'i Elota ho an'i Syria dra nadroaky ereo olon'i Joda hiala an'i Elota. Avy eo dra nagnagny Elota ereo Syriana gny amizay fa gnanazy ereo disik'adroany.7Dra nandefa mpinday hafasy hognany Tiglato-pilesera mazakan'i Asyria i Ahaza, manao ho: ''Mpanoponao aho sady zanakao.'' Misanga dra vozeo eo amy taniny mpazakan'i Syria sy gny taniny mpazakan'Israely, ze fa nanafiky anahy.'' 8Dra nalan'i Ahaza gny volafosy sy gny volamena ze hitany tao an-tragnon'i Yaveh sy teo amin'ereo harenany lampany mpazaka dra nalefany ho fagnomeza hognany mpazakan'i asyria zay. 9Dra niteno anazy gny mpazakan'i Asyria, dra niakasy nagnohisy an'i Damaskosy gny mpazakan'i Asyria, nandresy zay sy nangalaky ereo vahoaky ho gadra ho an'i Kira. Nivonony avo koa i Rezina mpazakan'i Syria.10Nandeha tagny Damaskosy i Ahaza pazaka ba hihaon'amin'i Tiglato-pilesera pazakan'i Asyria. Nahita alitara raiky tao Damaskosy izt. Nandefa gny modely vo gny sarinigny alitara dra gny endriky gny asa taliavin'aby tagny aman'i Oria pisoro izy. 11Oria pisoro dra namboasy alitara mitovy amireo firafisy fa nalefan'i Ahaza pazaka boak'agny Damaskosy. Nivitany talohanigny niheregnan'i Ahaza pazaka boak'agny Damaskosy zay. 12GNy fa niavy boak'agny Damaskosy gny pazaka dra nahita gny alitara; nagnato gny alitara gny pazaka sady nagnatisy fagnatisy teo amizay.13Nanao fagnatisy oroa vo fagnatisy vary izy, dra nandraraky gny fagnatiny finomy vo namafy gny lio amigny fanati-pihavanany teo amigny alitara. 14Gny alitara varahy ze teo agnatrehan'i Yaveh__dra nalany teo anoloanigny tepoly, boak'eo agnelagnelanigny alitarany vo gny tepolin'i Yaveh dra nataony teo amigny farisy avarasy gny alitara zay.15Boak'eo dra nandidy an'i Oria pisoro i Ahaza pazaka, nanao anizahoky ho: "Eo agnabonigny nalitara lahibe gny hagnoroa gny fagnatisy oroa gny maray dra gny hariva dra gny fagnatisy vary, dra reo fagnatisy oroanigny pazaka vo fagnatisy vary, miaraky amireo fagnatisy oroanigny vahoakigny tany aby, vo reo fagnatisy vary vo reo fagnatisy finominereo. Afafazo eo agnabon'izay gny lio aby boak'amigny fagnatisy oroa, dra gny lio aby boak'amigny soro. Fa gny alitara varahy dra honahy ba ho fangala torohevisy." 16Dra nanao araky ze nandidian'i Ahaza pazaka anazy i Oria pisoro.17Boak'eo dra nalan'i Ahaza pazaka teo amigny sangak'azo afindra reo takelaky vo reo koveta; napizosony avo koa gny koveta teo amigny agnomby varahy ze teo ambanin'izay dra natobiny teo amigny lapivato zay. 18Nohonigny pazakan'i Asyria, dra nalany reo fandrakofa ho anigny Sabata ze fa namboarinereo tao atepoly, mbamigny fidiranigny pazaka teo ivelanigny tepolin'i Yaveh.19Raha gny raharaha hafa mahakasiky an'i Ahaza vo ze nataony, moa sy fa voasorasy ao agnatinigny bokinigny tataran'ireo pazakan'i Joda ra zay? 20Nimaty vo nalevy nindray tamireo razany tao atagnan'i Davida i Ahaza. Lasa pazaka nandimby anazy i Hezekia zanadahiny.
Chapter 17

1Tamigny tao faharo ambiny folo nazakan'i Ahaza pazakan'i Joda, gny nanomboky gny fazakan'i Hosea zanak'i Elaha. Nazaka tao Samaria nanera gny Israely nandrisy gny sivy tao izy. 2Nanao rasy teo amason'i Yaveh izy, sy nanahaky reo pazakan'Isrealy taloha. 3Nanafiky anazy i Salmaneserapazakan'i Asyria, dra lasa panopony i Hosea dra ninday fagnomezam-boninahisy honazy.4Dra hitanigny pazakan'i Asyria fa nitetiky hanohisy anazy i Hosea, akory nandefa pinday hafasy nagnagny amin'i So pazakan'i Egypta i Hosea; dra koa, sy ba nanolosy fagnomezam-boninahisy ho anigny pazakan'i Asyria izy, manahaky gny nataony isa-tao isa-tao. Dra nihiliny pazakan'i Asyria izy dra nifaheny tagny apoza. 5Boak'eo dra nanafiky nanera gny tany aby gny pazakan'i Asyria, dra nanafiky an'i Samaria vo nanao fahirano an'izay nandrisy gny telo tao. 6Tamigny tao fahasivy naha-pazaka an'i Hosea, dra nangalaky an'i Samaria vo ninday gny Israely lavisy an'i Asyria gny pazakan'i Asyria. Nemetraky anereo tagny Hala izy, tao amigny Habora Onin'i Gozana, dra tagny amigny tananigny Mediana.7Nitranga zay fahababoa zay akory nanota tamin'i Yaveh zagnaharin'ereo gny vahoak'Israely, ze ninday anereo niakasy boak'agny amigny tany Egypta, boak'agny ambany fifehezan'i Farao pazakan'i Egypta. Fa nanopo zagnahary hafa reo vahoaky 8dra nandeha tamigny fanaon'ireo firenena ze fa naringan'i Yaveh teo agnatrehan'ireo zanak'Israely, vo tamigny fanaon'ireo pazakan'Isrealy ze fa nataon'ereo.9Gny zanak'Isrealy__dra nanao reo raha ze sy marina asokosoko__hanohisy an'i Yaveh Zagnaharin'ereo. Nananga fitpera abo honazy maneran'an'ireo tanany ereo, hatragny amigny tilikambo fambena dra hatragny amigny manda ferova. 10Nananga sangam-bato vo baon'Aseraha tegny amigny havoa abo aby vo tagny ambaninigny hazo meso aby koa ereo.11Tegny ereo gny nagnoro liti-kazo magnisy tamireo fitoeran'abo aby, manahaky gny nataon'ireo firenena, reo ze nandesin'i Yaveh teo agnatrehan'ereo. Nagnatateraky raha rasy reo Israely ba hahaavy an'i Yaveh hasiaky; 12ereo dra nanopo sapy, momba ze fa nizakan'i Yaveh anereo ho: "Sy hanao anizay raha zay handrareo."13Nefa Yaveh fa nitalily tamin'Israely vo tamin'i Joda tamigny alalanigny paminany sirairay vo gny pahita sirairay, nanao anizahoky ho: "Miala amireo fomba rasindrareo dra tandrovy reo liliko vo reo lalako, dra meteza hagnaraky gny lalan'aby nandidiako reo razandrareo, dra ze nirahiko ho amindrareo tamigny alalan'ireo paminany panopoko.14Kanefa sy niteno ereo; fa koa maheriloha vatany manahaky reo razany ze sy nahatoky an'i Yaveh Zagnaharin'ereo. 15Nilavin'ereo gny lalany vo gny fagneke-pihavana ze nataony tamireo razany, dra reo didy fagneke ze nameny anereo. Nagnaraky fomba rasy ereo dra gny vatan'ereo mihisy gny lasa sy nisy ilan'azy. Nagnaraky reo firenena panopo sapy ze nagnodidin'anazy ereo, dra reo ze nandidian'i Yaveh anereo sy hotahafy.16Ereo dra nanao sinosino reo didin'i Yaveh Zagnaharin'ereo. Namboasy sary zanak-agnomby ro vita tamigny vy ereo ba ho topo. Namboasy baon'Aseraha ereo, dra nanopo an'i Bala vo reo kitana aby tegny andagnisy. 17Nalefan'ereo tagnaty afo reo zanadahiny vo gny zanakapelanereo, napiasa reo sikily vo fagnosavia, namarosy gny vatan'ereo ba hanao rasy teo amason'i Yaveh, vo nahavy anazy ho ory. 18Noho zay dra ory fatrasy tamin'Isrealy i Yaveh dra nangalaky anereo sy ho eo amasony. Sy nisy dre raiky aza tafazano afa-sy gny fokon'i Joda raiky avo.19Na dre i Joda aza sy nahata gny didin'i Yaveh Zagnaharin'ereo, fa koa nagnoriky fanopoa-sapy nitovy tamize narahin'Isrealy. 20Noho zay dra nilavin'i Yaveh avokoa reo taranak'Israely aby; napahoriany ereo dra natolony tegny atagnan'ireo ze pambabo gny fanagnan'ereo, mandra-pisonik'ereo sy ho eo amasony.21Nangalaky gny Isrealy tamigny fitohiza-taranak'i Davida Izy, dra nametraky an'i Jeroboama zanadahin'i Nebata pazaka. Nitariky gny Isrealy hiala tamigny fagnorihan'an'i Yaveh i Jeroboama dra napanao fahota lahibe anereo. 22Nagnoriky gny fahotan'i Jeroboama aby gny zanak'Isrealy dra sy niala taminireo ereo, 23dra nalan'i Yaveh teo amason'Israely, araky gny nizakany tamireo paminany panopony aby fa hataony. Dra nandesy lavisy ivelanigny tanin'ereo tagny Asyria gny Israely, dra bo agny avo hatramizao andro zao.24Ninday vahoaky boak'agny Babylona vo boak'agny Kota, vo boak'agny Ava, vo boak'agny Hamata vo Sefarivaima gny pazakan'i Asyria, dra nametraky anereo tagny amigny tanan'i Samaria teo amigny toeranigny zanak'Isrealy. Dra nahazo an'i Samaria reo dra nony tao amigny tanany. 25Dra tamigny fitombohanigy fonegnan'ereo tagny dra sy nagnome voninahisy an'i Yaveh ereo. Ko nandefa liona tamin'ereo ze namono gny ilany tamin'ereo i Yaveh. 26Dra nizaka tamigny pazakan'i Asyria ereo,nanao anizahoky ho: "Reo firenena ze nandesinao vo napetranao tato amigny tanan'i Samaria dra sy mahafatasy reo fomba takenigny zagnahariny gny tany. Dra nandefa liona teo amin'ereo izy, dra, ingo, mamono gny olo reo liona akory sy mahay reo fomba takenigny zagnarinigny tany ereo."27Dra gny pazakan'i Asyria nibaiko, nanao anizahoky ho: "Alao gny raiky amireo pisoro ze nandesindrareo boak'agny, dra aoky izy handeha vo honin'agny, dra aoky izy hapianasy anereo gny fomba ze takenigny zagnahariny gny tany." 28Ko avy nony tagny Betela gny rany tamireo pisooro ze avy nandesin'ereo boak'agny Samaria; napianasy anereo gny fomba tokony hideran'ereo an'i Yaveh izy.29Nanao zagnahary honazy aby reo foko sirairay, dra nametraky anereo tegny amigny fitoera abo ze nataon'ireo Samaritana__gny foko sirairay tagny amigny tana nonenany aby. 30Gny vahoak'i Babylona namboasy an'i Sakota-benota; gny vahoakin'i Kota namboasy an'i Nergala; gny vahoakin'i Hamata namboasy an'i Asima; 31reo Avita namboasy an'i Nibaza vo Tartaka. Reo Sefarvita nagnoro reo zanany tao amigny afo ho an'i Adrameleka vo Anameleka, zagnahary vo Sefarvaima.32Nagnome voninahisy an'i Yaveh avo koa ereo, dra nanendry pisoron'ireo fitoera abo avy tamin'ereo, ze nanao soro ho anereo tao amigny tepoly tao amireo toeran'abo. 33Nagnome voninahisy an'i Yaveh ereo sady nanopo reo zagnaharin'ereo, tamigny fomba fanaon'ireo firenena tamize fa nandesin'ereo.34Hatram'izao andro zao dra mikiry amireo fomba fanao'ereo taloha ereo. Sady sy magnome voninahisy an'i Yaveh ereo, gny sy magnaraky reo lily aman-dalana ze natolos'i Yaveh tamigny vahoak'i Jakoba__ze tonoka ho: Israely__35dra tamizay nanovan'i Yaveh fagneke vo nandidiany anereo zay ho: "Sy hatahosy zagnahari-hafa handrareo, na hekohoky aminereo, na hanopo anereo, na hanao fisorogna ho anereo.36Nefa i Yaveh, ze nanday andrareo niakasy boak'agny amigny tany Egypta tamigny hery lahibe vo tana nisandrasy, gny Raiky ze sy maisy omendrareo voninahisy; Izy gny hiakohofandrareo, dra honazy gny soro ataondrareo. 37Reo didy aman-dalana ze nisoratiny ho andrareo, hotanandrareo mandrakariva reo. Noho zay dra ka mataosy zagnahary hafa handrareo, 38dra gny fagneke-pihavana ze fa nataoko tamindrareo, dra sy ho halignondrareo; na handrareo hagnome voninahisy andriamani-kafa.39Fa Yaveh Zagnaharindrareo gny homendrareo voninahisy. Izy gny hamozy andrareo amigny herin'ireo fahavalondrareo." 40Sy niteno ereo, akory nanohy nanao ze nataon'ereo tagny amigny lasa ereo. 41Ko dra natahosy an'i Yaveh reo firenena dra nanopo reo sary sary voasokis'ereo avo koa ereo, dra nanao manahaky anizay avo koa reo zanak'ereo__manahaky gny nataonigny taranaky gny zanak'ereo. Manohy manao ze nataon'ireo razany hatragny ereo, mandrak'amizao.
Chapter 18

1Dra tamigny tao fahatelo nazakan'i Hosea zanak'i Elaha, pazakan'i Israely, gny nanomboky nazaka i Hezekia zanak'i Ahaza, pazakan'i Joda. 2Dimy amby ropolo tao izy gny nanomboky nazaka; nazaka sivy amby ropolo tao tagny Jerosalema izy. Gny agnaran-dreniny dra i Aby; zanakapelan'i Zakaria izy. 3Dra nanao ze mahisy teo amason'i Yaveh izy, nagnaraky gny ohasy ze fa nataon'i Davida aby, razambeny.4Nangalaky reo toera abo izy, nandrava reo andry vato, dra nanapaky reo baon'Aseraha. Nanapatapaky gny menarana varahy ze nataon'i Mosesy izy, akory tamireo andro reo gny nagnoroanigny vahoakin'Isrealy gny liti-kazo magnisy ho anizay; zay dra tonoka ho: "Nehostana." 5Nahatoky an'i Yaveh, gny Zagnaharin'Israely i Hezekia, ba sy hisy olo hitovy aminazy ao afarany eo amireo pazakan'i Joda aby, na eo amireo pazaka ze teo alohany.6Fa nifikisy tamin'i Yaveh izy. Sy nisahasy nagnoriky anazy izy dra nitandry reo didiny, ze nandidian'i Yaveh an'i Mosesy. 7Dra nomba an'i Hezekia i Yaveh, dre na eza na eza nandehanany dra nambiny izy. Nikomy nanohisy gny pazakan'i Asyria izy dra sy nanopo anazy. 8Nanafiky reo Filistina hatragny Gaza vo gny sisi-tany magnodidy izy, hatragny amigny tilikambon'ireo piamby dra hatragny amigny tana voaaro fatrasy.9Dra tamigny tao fahaefasy nazakan'i Hezekia pazaka, izay taona fahafito nazakan'i Hosea zanak'i Eleha pazakan'Israly, dra niakasy hanohisy an'i Samaria i Salmanesera pazakan'i Asyria dra nanao fahirano izay. 10Dra tamigny fiafaran'ny taona fahatelo gny nangalan'izy ireo izay, dra tamigny taona fahaenina nazakan'i Hezekia, izay taona fahasivy nazakan'i Hosea pazakan'Israely; izay gny fomba nanambora an'i Samaria.11Dra nandesiny pazakan'i Asyria tagny Asyria gny Israely, dra nataony tao Hala, teo amigny Reniranon'i Habora tagny Gozana ereo. 12Nanao anizay izy akory sy nakato gny feon'i Yaveh zagnahariny ereo, fa koa nandika gny zakanigny fangeke, ze nandidian'i Mosesy panopon'i Yaveh anereo. Nanda hiteno na hanao anizay ereo.13Dra tamigny tao fahaefasy ambiny folo nazakan'i Hezekia Pazaka, Sankeriba pazakan'i Asyria dra nanafiky gny tana voaaro fatrasy ry Joda aby dra nangalaky anireo. 14Dra nandefa hafasy tagny amigny pazakan'i Asyria, ze tagny Lakisy i Hezekia pazakan'i Joda nanao anizahoky ho: "Fa nanafitohin'anao zaho. Mela aminahy. Na ino na ino hapandesinao anahy dra hanesiko." Dra nitaky tamin'i Hezekia pazakan'i Joda ba hagnenga gny taleta volafosy telozato vo taleta volamena telopolo gny pazakan'i Asyria. 15Dra namen'i Hezekia anazy gny volafosy aby ze tao amireo tragnon'i Yaveh vo tao amireo pisy raha sarobilinigny lapany pazaka.16Dra nalan'i Hezekia gny volamena teo amigny tepolin'i Yaveh vo teo amigny andry ze nametahany takela-bolamena; dra nameny gny pazakan'i Asyria gny volamena. 17Nefa gny pazakan'i Asyria nagnesiky gny tafiny lahibe, nagniraky an'i Tartana vo Raba-sarisa ho agny amin'i Hezekia pazaka ao Jerosalema. Nandeha niakasy tamigny lala ereo dra avy tao ivelan'i Jerosalema. Nagnato gny lakan-dranony kamory agnabo ereo, teo an-dalambenigny sakanigny pamosy lamba, dra nizano teo amizay. 18GNy fa nitoka an'i Hezekia Pazakan'ereo, dra niboaky ba hagnety anereo i Eliakima zanadahin'i Hilkia, ze nanapaky gny akohona, vo Sebna panora-dalana, dra Joa zanadahin'i Asafa, pitahiry tatara.19Dra gny lahibenigny pifehy nizaka anereo ba hizaka amin'i Hezekia ze nizakanigny pazaka lahibe, pazakan'i Asyria, manao anizahoky ho: "Ino gny loharanonigny fahatokianao? 20Zaka sy misy dikany gny zakanao, mizaka ho misy nama vo hery ho amigny aly. Dra amizao iza gny itokianao? Iza gny nagnome heri-po anao hikomy hanohisy anahy? 21Ingo, matoky gny tehy volotara torotonigny Egypta hanao, kanefa raha mitehy amizay gny olo, dra hirekisy eo amigny tagnany zay dra handoaky anizay. Manahaky anizay i Farao pazakan'i Egypta amireo matoky anazy aby.22Fa raha mizaka aminahy hanao ho: 'Matoky an'i Yaveh Zagnaharinay zahay,' moa ra sy izy gny raiky ze nangalaky reo toera abo vo gny alitara ze nalan'i Hezekia, dra nizaka tamin'i Joda vo Jerosalema ho. 'Sy maisy manopo eo anoloan'ity alitaran'i Jerosalema tihoky hanao'? 23Amizao dra, te-hanolosy fagnatisy soa boak'amigny topoko pazakan'i Asyria zaho. Hameko sovala ro arivo hanao, raha mahita pitikisy anazy reo.24Hataoko akory gny manohisy na dre gny raiky amigny kapiteny ze masaiky indrindra amireo panoponigny topoko aza? Fa nametraky gny fahatokianao tagny Egypta ho an'ireo kalesy vo gny pitikisy sovala hanao!
26Dra eo i Eliakima zanadahin'i Hilkia, vo Sebna, dra Joa nizaka tamigny lahibenigny pifehy ho: "Ba apizakao amigny fizaka Syriana re reo panoponao, fa izay gny azonay. Ka mizaka aminay amigny fizakany gny Joda eo amigny sofinigny olo ze eo amigny rindry," 27Nefa hoy gny lahibenigny pifehytamin'ereo ho: "Moa ra nandefa anahy ho agny amigny toponao vo hanao gny topoko ba hizaka reo zaka reo? Moa ra zaho nalefany tagny amireo lelahy mipetraky eo amigny rindry, iza gny sy maisy hihina gny malotony vo hinon'amireo manoka mindrain'aminao?"28Dra gny lahibenigny pifehy nisanga vo nitoka tamigny feo fatrasy tamigny fizakany Jiosy ho: "Tenoy gny zakanigny pazaka lahibe, dra gny pazakan'i Asyria. 29Zao gny zakanigny pazaka, 'Ka magneky hofitahin'i Hezekia handrareo, fa sy afaky gny hamozy anao amigny fahefako izy. 30Ka magnenga an'i Hezekia hapahatoky anao an'i Yaveh, manao anizahoky ho: "Hamozy asika vatany i Yaveh, ty tana tihoky dra sy hatolosy ho eo atagnanigny pazakan'i Asyria."'31Ka miteno an'i Hezekia, fa izao gny zakanigny pazakan'i Asyria ho: 'Mihavagna aminahy dra mindresa aminahy. Dra gny sirairay avy amireo dra samby hihinan'amigny voalobony vo gny hazon'aviaviny, dra hino gny rano ao amigny famorian-dranony. 32Hanao anizay mandra-piaviako vo hindesako andrareo agny amigny tany manahaky gny tanindrareo manoka, tany misy mofo vo tanim-boaloboky, tany misy hazo oliva vo tately ba ho velo handrareo fa sy ho maty.' Ka miteno an'i Hezekia raha miezaky mandresy lahasy andrareo izy, manao anizahoky ho: 'Hamozy asika i Yaveh.'33Moa nisy nahavozy anereo teo atagnanigny pazakan'i Asyria ra reo zagnahariny gny olo? Eza moa reo zagnaharin'i Hamata vo Arpada? 34Eza moa reo zagnaharin'i Sefarvaima, vo Hena, dra Iva? Nahavozy an'i Samaria teto atagnako ra ereo? 35Eo amigny zagnahariny gny tany aby, moa ra fa nisy zagnahary nahavozy gny taniny tamigny fahefako? Nagnino gny hahafahan'i Yaveh mamozy an'i Jerosalema amigny heriko?"36Kanefa nangina gny olo dra sy namaly, Akory fa nandidy gny pazaka ho: "Ka mamaly anazy." 37Boak'eo Eliakima, zanak'i Hilikia, ze agnabo teo amigny akohonany; vo Sebna gny panora-dalana; dra Joa zanak'i Asafa, gny pita-sorasy, nilisy agnao amin'i Hezekia nindray tamireo fekakazoa'ereo voatritra, dra ninday gny zakanigny lahibenigny pifehy taminazy.
Chapter 19

1Dra gny fa ren'i Hezekia pazaka gny tatis'ereo, dra naniasy gny akazony izy, nanao akazo fandala, dra nilisy tao atragnon'i Yaveh. 2Nagniraky an'i Eliakima ze lahibenigny tandapa izy, vo sebna, gny panora-dalana, dra reo lohanigny pisoro, samby nekazo gny akazony fandalany avokoa ereo, ho agny amin'i Isaia zanadahin'i Amoza, gny paminany.3Dra hoy ereo taminazy: "Zao gny zakan'i Hezekia: 'ty andro tihoky gny andronigny fahoria, fahamezigna, dra fahafaham-baraka, fa ba ho teraky gny zaza, nefa sy misy hery ba hiterahan'anereo. 4Angamba mety ho ren'i Yaveh Zagnaharinao gny zaka aby nataonigny lahibenigny pifehy, ze nirahinigny pazakan'i Asyria topony ba hihasy an'Agnahary velo, dra hamaly reo zaka ze fa ren'i Yaveh Zagnaharinao. Ko asandrato ho anize sisa bo eto gny vavakao Amizao."'5Dra avy tagny amin'i Isaia gny panopon'i Hezekia pazaka, 6dra Isaia nanao tamin'ereo ho: "Zakao amigny topondrareo fa: ' Zao gny zakan'i Yaveh: "Ka matahosy gny amigny zaka ze fa renao, ze fa nanirasira gny panoponigny pazakan'i Asyria zaho. 7Ingo, hametraky fagnahy ao aminazy zaho, dra hahare siosio izy dra niherin'agny amigny taniny. Hataoko lavonigny sabasy ao amigny taniny izy."'''8Dra nihery gny lahibenigny pifehy dra nahita gny pazakan'i Asyria nialy tamin'i Libna, fa izy fa nahare fa niala tao Likisy gny pazaka. 9Dra sankeriba nahare fa i Tiraky mpazakan'i Etiopia sy Egypte dra fa nioma gny hialy amy, nohony dra nagniraky mpanday hafasy ho agnany aamin'i Hezekea ndraiky izy hoky.10'' Zakao amin'i Hezekia mpazakan'i Joda ho: ' Ka anga hametaky anao gny zagnahary ze hitokianao dra hanao ho: '' Jerosalema dra sy hame ho eo an-tanany mpazakan'i Asyria.'' 11Ihoky, fa rennao gny raha ze fa nataon'ny mpazakan'i Asyria tamy famoteha tateraky ereo. koa ho voavozy se hanao?12Fa namozy anereo ra gny zagnahariny gny firenena, reo firenena ze nipotehinigny razako: dra i Gozana, Harana, Razefa, dra gny vahoakin'i Edena tao Telasara? 13Eza gny pazakan'i Hamata, gny pazakan'i Arpada, gny pazakanigny tana Sefarvaima, Hena, dra Iva?"'14Voarain'i Hezekia gny taratasy tagny amireo pinday hafasy dra nivakiny zay. Boak'eo dra niakasy tagny atragnon'i Yaveh izy dra nanokaky anizay teo anoloany. 15Dra nivavaky teo agnatrehan'i Yaveh i Hezekia, dra nanao anizahoky ho: "Ry Yaveh toponigny maro, Zagnaharin'Israely, Hanao mitoby ao agnabony kerobim, Hanao gny Zagnahary tokan'eto atany. Hanao gny nanao gny lagnisy vo gny tany.16Atongilagno gny sofinao, ry Yaveh, dra mitenoa. Ahirato gny masonao, ry Yaveh, dra magnatia, dra tenoy gny zakan'i Sankeriba, ze fa nirahiny ba hanirasira gny zagnahary velo. 17Eny vatany, ry Yaveh, fa nandrava reo firenena vo gny taniny gny pazakan'i Asyria. 18Fa nagnoro gny zagnaharin'ereo tao agnatin'afo ereo, akory sy zagnahary reo fa asa-tagnan'olombelo, hazo vo vato avo. Ko nipotehinigny Asyriana ereo.19Ko amizao, ry Yaveh zagnaharinay, mitalaho Aminao zaho, vozeo amigny heriny zahay, ba hahafataranigny fazakan'aby eto atany fa Hanao, Yaveh, gny Zagnahary vatany."20Dra Isaia zanadahin'i Amoza nandefa hafasy tagny amin'i Hezekia, nanao anizahoky ho: "Yaveh, Zagnaharin'Israely nizaka ho: 'Akory fa nivavaky taminahy gny amin'i Sankeriba pazakan'i Asyria hanao, dra niteno anao zaho. 21Zao gny zaka zakan'i Yaveh mahakasiky anazy: "Gny zanakapelany virizinin'i Ziona manao sinosino anao vo mihomehy ho amigny fahafaham-baraka. Gny zanakapelan'i Jerosalema magnifikifi-doha aminao. 22Iza gny fa nihasinao vo nisirasiranao? Hanohisy an'iza gny nanandratanao gny feonao vo napendradranao gny masonao apirehareha? Hanohisy gny Masin'Israely!23Tamigny alalan'ireo irako gny nihasianao gny Topo, dra nanao anizahoky ho: 'Tamigny kalesiko maro gny nekarako tagny atepolinigny tendrombohisy, gny fekara abo faratapony tagny Libanona. Hotapahy gny sedera lava vo gny Kypreso voafatin'ao. Hilisy amigny farisy lavisy zaho, ao amize alany mamokasy indindra. 24Fa nihaly lava-drano zaho dra fa nino gny ranonigny firene-kafa. Fa nandrisy gny reniranon'i Egypta aby ho eo apaladiako zaho.'25Sy renao ra gny fomba nagnomanako anizay hatramign'ela vo gny niasako anizay tamigny andro taloha? Amizao dra fa hagnatateraky anizay zaho. Eo hanao ba handrava reo tana mimanda ho lasa korotam-bato. 26Reo ponina ao aminazy, ze siapy hery, dra torotoro vo megnasy. Raha magniry egny agnahisy reo, ahi-meso, ahisy egny agnabo tafo na egny agnahisy, noroa melohanigny nisiriany.27Fa zaho mahay gny fepetranao, gny fiboahanao, gny fidiranao, dra gny fahorianao aminahy. 28Nohonigny fahorianao aminahy, dra akory reo gny fiavognavognanao, dra hametraky gny farangoko amigny ora Zaho, dra ao amigny vavanao gny lamboridiko; hataoko mihery amigny lala niavianao hanao."29Zao gny famatara honao: Hihina raha magniry sinahy handrareo amity tao ty, dra gny tao magnaraky dra gny dimbin'izay. Fa amigny tao fahatelo koa dra hamboly vo hioty handrareo, hamboly tanim-boaloboky dra hihina gny tegnany. 30Gny sisa amigny taranak'i Joda ze bo velo dra hamaky ndraiky dra hisondrano vo hagnome. 31Fa hisy sisa hiboaky boak'agny Jerosalema, boak'agny atendrombohis'i Ziona gny hiavian'ireo sisa sy maty. Gny zoto-pon'i Yaveh toponigny maro gny hanao anizay.32Ko zao gny zakan'i Yaveh momba gny pazakan'i Asyria: "Sy hilisy amty tana tihoky izy na handefa zana-sipiky ao. Na avy eo alohany midray amigny ampimga na hanao fahirano anazy. 33Gny lala izay niaviany avo gny lala hiboahany; sy ho tafilisy amingny tana itihoky izy___izay gny fagnambaran'i Yaveh.'' 34Fa izaho hiaro vo hagnavosy itiky tana itihoky, gny aminahy vo gny amin'i Davida panopoko.''35Dra tamin'io hariva io dra avy gny azelin'i Yaveh dra nanafiky gny tobin'ireo Asyriana, dra nahafaty maramila 185. 000. aby nifoha aloha gny olo nony maraidray, dra niapasy tegny aby gny gny tafin'olo. 36Dra nagnenga an'Israely i Sankeriba pazakan'i Asyria dra nandeha noly vo nitoboky tagny Ninive. 37Taty afara, gny nanao fanopoam-pivavahana tao an-tragnon'i Nisroka andriamaniny izy, dra nivonon'i Andramelaka vo Sarezera zanany lahy tamigny sabatra. Avy eo dra nisoaky tagny amigny tanin'i Ararata izy ireo. Dra Esara-hadona zanany lahy gny lasa pazaka teo amigny toerany.
Chapter 20

1Dra tamizay andro zay dra narary fa ho maty i Hezekia. Dra nagnaton'anazy i Isaia zanak'i Amosa, gny paminany, dra nizaka taminazy ho: "Hoy i Yaveh: "'Arindrao gny tragnonao; fa ho maty hanao, dra sy ho velo."' 2Dra nitoliky nagnatriky gny rindry i Hezekia dra nivavaky tamin'i Yaveh izy nanao anizahoky: 3"Ba mengavy re, ry Yaveh oh, ba sarovy gny nandehanako apahatokia teo amigny agnatrehanao tamigny foko manotolo, vo gny nanovako gny soa teo amasonao." Dra nitomagny fatrasy i Hezekia boak'eo4Melohanigny niboahan'i Isaia teo agnevonigny tokotany, dra avy taminazy gny zakan'i Yaveh, nanao anizahoky ho: 5"Miheregna, dra zakao i Hezekia, gny pitariky gny oloko ho: 'Zao gny zakan'i Yaveh, Zagnaharin'i Davida razambenao: "Fa reko gny vavakao, dra hitako gny ranomasonao. Hagnasitran'anao Zaho amigny andro fahatelo, dra hiakasy agny atragnon'i Yaveh hanao.6Hapiako dimy ambiny folo tao gny andro hiegnanao, dra ho vozeko amigny tagnan'ny pazakan'i Asyria hanao vo ithoky tana tihoky, dra ho arovako itihoky tana tihoky nohon'ny amin'i Davida panopoko.'' 7Dra hoy Isaia ho: ''Mangalaky fehezan'aviavy.'' Dra nanao izay izy ireo dra napetrany tamigny vai-ny izay, dra sitrany izy.8Hiy i Hezekia tamin'i Isaia: ''Ino gny famatara fa hositragnin'i Yaveh zaho, Vo gny tokony hiakarako agny amigny tempoly amigny andro fahatelo?'' 9Namaly Isaia ho: ''Izao gny famatara ho anao avy amin'i Yaveh, fa i Yaveh dra hanao izay raha nizakany. Tokony handroso dingana folo se gny aliky, sahihemotra dingana folo?''10Namaly i Hezekia: ''Mora ho an'ny aloky gny handroso dingana folo gny aloky.'' 11Dra nitokatoka an'i Yaveh i Isaia paminany, dra nandesiny nihemosy dingana folo gny aloky, avy tagny amigny nihesehany teo amigny tohos'i Ahaza.12Tamin'izay fotoa izay i Merodaka Baladana zanak'i Baladana pazakan'i Babylona dra nandefa taratasy vofagnomeza tany amin'i Hezekia, satria reny fa narary i Hezekia. 13Niteno izay taratasy izay i Hezekia, dra nasehony ireo pinday hafasy gny lapaaby vo gny zava-sarobidiny, gny volafosy, gny volamena, gny zava-magnisy vo gny menaky sarobidy, dra gny tragno fitehirizany gny fitova-pialiany, izay aby iza dra hita tao amigny tragno fitehirazany. Sy nisy raha izy sy nasehon'i Hazekia anazy ireo tao atragnony, na tao amigny fazakany.14Dra Isaia paminany nagnagny amin'i Hezekia pazaka dra nagnotany anazy ho: "Ino gny nizakan'iregny lelahy taminao regny? Avy eza izy regny?" Hoy i Hezekia: "Boak'agny atany lavisy agny Babylona ereo." 15Nagnotany i Isaia ho: "Ino gny hitan'ereo tao atragnonao?" Namaly i Hezekia aby tato atragnoko. Sy nisy tamireo raha sarobiliko sy nasehoko anereo."16Dra hoy Isaia tamin'i Hezekia: "Tenoy gny zakan'i Yaveh: 17'Igno, fa ho agny gny andro hitona gny raha aby eo amigny lapanao magnagny Babylona, dra reo raha nitehirizinigny razambenao hatramizao andro zao. Sy misy na ono ma ino ho tavela, hoy i Yaveh. 18Gny zanadahiny teraky avy aminao, ze nitezanao manoka_halan'ereo zay, dra ho lasa tandapa ao amigny lapanigny pazakan'i Babylona ereo.19Dra hoy i Hezekia tamin'i Isaia: "Soa gny zakan'i Yaveh ze nizakanao." Akory nihevisy izy ho: "Sy hisy fedagna vo filamina ra zay amigny androko?" 20Raha gny amireo raharaha hafa mahakasiky an'i Hezekia, vo gny heriny aby, dra gny nanovany gny farihy vo gny lakan-drano, dra gny nindesany rano tao amigny tana__moa sy fa voasorasy ao amigny bokinigny tataran'ireo pazakan'i Joda ra zay? 21Nimaty nindray tamireo razambeny i Hezekia, dra i Manase zanadahiny gny nandimby anazy teo amigny toerany.
Chapter 21

1Ro ambinifilo tao i Manase gny nanomboky nazaka; nazaka nandrisy gny dimy amby dima-polo tao tao Jerosalema izy. Gny agnaranigny reniny dra i Hefziba. 2Fa nanao rasy teo amason'i Yaveh izy, manahaky reo raha manarikorikonigny firenena ze niroahin'i Yaveh teo agnatrehan'ireo Israely. 3Fa nagnery nagnory reo toera abo ze nisolan'i Hezekia rany izy, dra nagnory reo alitara ho an'i Bala, nanao baon'Aseraha raiky, manahaky gny nataon'i Ahaba pazakan'Israely, dra nekohoky tamireo kitanigny rehetra dra nanopo reo.4Manase dra nagnory alitara fanopoa-sapy tao atragnon'i Yaveh, na dre nandidy anazy i Yaveh ho: "Ho mandrakizay ao Jerosalema gny agnarako." 5Nagnory reo alitara ho anigny kitanigny lagnisy aby izy tao amireo kiaza ronigny tragnon'i Yaveh. 6Nataony tao agnaty afo gny zanany; sady nanandro vo nanao sikily dra nangalaky hevisy tamireo ze mizaka amigny maty vo reo ze mizaka amigny fagnahy izy. Nanao rasy maro teo amason'i Yaveh izy dra nihasy an'Agnahary tamigny fahoriany.7Gny sary sokis'i Astarta ze nataony, dra napetrany tao atragnon'i Yaveh zay. Dra momba anizay tragno zay gny nizakan'i Yaveh tamin'i Davida vo Solomona zanany; hoy izy ho: "Tato amity tragno tihoky dra tao Jerosalema, ze nisafidiko tamireo fokon'Israely aby, gny hametrahako gny agnarako mandrakizay. 8Dra sy hapirenireny gny tombok'Israely hiboaky amigny tany ze nameko gny razan'ireo sasy zaho, raha manakato soa reo ze nandidiako ereo aby, dra hagnaraky gny lalan'aby ze nandidian'i Mosesy panopoko anereo." 9Fa sy niteno reo vahoaky, dra i Manase gny nitariky anereo hanao rasy mihoasy noho reo firenena ze niravan'i Yaveh teo agnatrehanigny vahoakin'Israely.10Dra nizaka tamigny alalan'ireo paminany panopony i Yaveh, nanao anizaohoky ho: 11"Akory i Manase pazakan'i Joda dra nanao reo rasy maharikoriko reo, dra nanao rasy mihoasy noho ze nataon'ireo Amorita aby ze nanao anizay talohany, dra napanota an'i Joda avo koa tamireo sapiny, 12noho zay i yaveh, gny Zagnaharin'i Israely, nizaka anizao: Ingo, hahavy loza manahaky anizay eo amin'i Jerosalema vo Joda Zaho dra ze mahare anizay aby, dra hangorisiky gny sofiny ro.Hagnizisy gny taly fandrefesa apesany hanoheran'an'i Samaria amin'i Jerosalema zaho, dra gny pilao fandrefesa apesa hagnoregna gny fianakavian'i Ahaba; hagnalio an'i Jerosalema, manahaky gny olo magnalio sakafo, mikosoky anizay dra magnodikodin'anizay ambony ambany zaho. 14Hagnary reo lovako sisa tavela zaho dra hagnome anizay ho eo apelatagnanigny fahavalon'ereo. Ho avy niharam-boy vo babon'ireo fahavalony aby ereo, 15akory fa nanao rasy teo amasoko ereo, dra nihasy anahy tamigny fahatezera, hatraminigny andro niboahanigny razam-ben'ereo boak'ao Egypta, mandrak'androany."16Fagnapin'izay, i Manase dra nandasa-dio sy mmana-signy maro be, mandra-pahafenoiny fahafatesa tamigny rany hatramigny raiky hafa an'i Jerosalema. Zay dra fagnapinigny fahota ze napagnotany an'i Joda, gny fa nanao rasy teo amason'i Yaveh ereo. 17Dra raha gny amin'ireo raharaha hafa mahakasiky an'i Manase, ze nataony aby, dra gny fahotany ze nataony, moa ra sy fa voasorasy ao amigny bokinigny tataranigny pazakan'i Joda zay? 18Dra nimaty tagny amireo razany dra nalevy tao amigny zaridainigny tragnony avo i Manase, tao azaridain'i Oza. Dra i Amona zanany gny lasa pazaka teo amigny toerany.19Teo amigny faharo amby ropolo taony i Amona gny nanomboky nazaka; nazaka nandrisy gny ro tao tao Jerosalema izy. GNy agnaran-dreniny dra i Mesolemeta; zanakaepalan'i Haroza boak'agny Jotba. 20Nanao rasy teo amason'i Yaveh izy, manahaky gny nataon'i Manase rany.21Nagnaraky reo lalan'aby ze nandehananigny rany dra nanopo reo sapy ze notoponigny rany, dra nekohoky amin'ereo i Amona. 22Nagnenga an'i Yaveh, gny Zagnaharin'ireo razany izy, dra sy nandeha tamigny lalan'i Yaveh. 23Reo panopon'i Amona dra nitetiky hanohisy anazy dra namono gny pazaka tao atragnony avo.24Fa reo vahoakigny tany dra namono ze nitetiky aby hanohisy an'i Amona pazaka, dra ereo gny nanao an'i Josia zanadahiny ho pazaka teo amigny toerany. 25Raha gny amigny raharaha hafa mahakasiky ze nataon'i Amona, moa ra sy fa voasorasy ao amigny bokinigny tataran'ireo pazakan'i Joda zay? 26Reo vahoaky dra nandevy anazy tao amigny lolony tao azaridai' Oza, dra i Josia zanany gny lasa pazaka teo amigny toerany.
Chapter 22

1Volo tao i Josia gny nanomboky nazaka; raikambiny telopolo tao gny zanakany tao Jerosalema. Jedida gny agnaranigny reniny (zanakapelan'i Adaia boak'agny Bozkata). 2Nanao mary teo amason'i Yaveh izy. Nandeha tamireo lalan'aby i Davida razambeny izy , Dra sy nive lala nagnakavia na akavana.3Dra teo amigny fahavalo ambiny folo taon'i Josia pazaka, dra nandefa an'i Safana zanak'i Azalia zanak'i Mesolama, gny panora-dalana, tagny atragnon'i Yaveh izy, nanao anizahoky ho: 4"Mekara agny amin'i Hilkia gny pisorom-be dra zakao izy ba hanisa gny vola ze nandesy tagny atragnon'i Yaveh, ze navorinigny piamby gny tepoly tamigny vahoaky. 5Aoky ze home eo atragnonigny piasa ze mendrekisy gny tragnon'i Yaveh, dra aoky ereo hagnome anizay anigny piasa ze ao atragnon'i Yaveh, ba hamboara ze sola ao amigny tepoly.6Aoky ereo hagnome vola ho an'ireo pandrafisy, reo pagnori-tragno, dra ba hivily hazo vo vato voapaiky avo koa ba hamboara gny tepoly." 7Fa sy ho take amin'ereo gny atotanigny vola, akory mapiasa anizay apatokia ereo.8Hoy i Hilkia pisorom-be tamin'i Safana panora-dalana ho: "Hitako tao amigny tragnon'i Yaveh gny bokinigny lalana." 9Dra namen'i Hilkia an'i Safana gny boky, dra namaky anizay izy. Lasa i safana dra nangalaky gny boky tegny amigny pazaka, dra hitatisy aminazy avo koa, manao anizahoky ho: "Reo panoponao dra nandany gny vola ze hita tao atepoly dra natolos'ereo teo atagnan'ireo piasa ze magnara-maso gny fikarakara gny tragnon'i Yaveh zay." 10Dra hoy i Safana panora-dalana tamigny pazaka: "Hilkia pisoro gny nagnome anahy gny boky." Dra nivakin'i Safana tamigny pazaka zay.11Dra gny fa nahare reo zakanigny lalana gny pazaka, dra naniasy gny akazony izy. 12Nandidy an'i Hilkia pisoro, vo Ahikama zanak'i Safana, i Akbora zanak'i Mikaia, Safana gny panora-dalana, dra i Asaia, gny panopony, gny pazaka, dra nanao anizahoky ho: 13"Mandehana dra mizaka amin'i Yaveh honahy, dra ho an'ireo vahoaky vo reo Joda aby, noho reo zakanity boky ty. Fa mafoza gny haorian'i Yaveh ze mirehisy nohonigny sy fitenoan'ireo razambesika reo zakanity boky tihoky dra gny hoe hakato ze voasoras'aby momba asika."14Noho zay i Hilkia pisoro, Ahikama, Akbora, Safana, dra i Asaia gny nandeha nagnagny amin'i Holda gny paminany vavy, valin'i Saloma zanak'i Tikva zanak'i Hrasa, gny pikarakara gny fitafia (nitoby tao Jerosalema tao amigny farisy faharo izy), dra nizaka taminazy ereo. 15Hoy rapela tamin'ereo: "Zao gny nizakan'i Yaveh, gny Zagnaharin'Israely: 'Zakao gny olo ze nadefa andrareo atiky aminahy ho: 16"Zao gny zakan'i Yaveh: 'Ingo, hinday loza amity toera tihoky vo reo poniny Zaho, araky gny raha voasoras'aby ao amigny boky ze nivakinigny pazakan'i Joda.17Akory nahafo Anahy dra nagnoro liti-kazo magnisy ho an'ireo zagnahary hafa ereo, ba hiasy Anahy ho ory amireo asa aby ze nataon'ereo--noho zay gny haoriako dra nirehisy tamity toera ty, dra sy ho maty zay."' 18Fa ho anigny pazakan'i Joda, ze nandefa anao ba hagnotany gny sitrapon'i Yaveh, dra zao gny ho zakanao aminazy: "Yaveh, gny Zagnaharin'Isrealy nizaka anizao:" Momba reo zaka ze renao, 19akory so-po hanao, dra nagnety vata teo agnatrehan'i Yaveh hanao, gny fa renao ze nizakako tamity toera tihoky vo reo olony, fa ho avy faharava vo ozona ereo, vo akory hanao dra naniasy gny akazonao dra nitomagny teto agnatrehako, dra niteno anao avo koa Zaho__zay gny fagnambaran'i Yaveh.20Ingo, Hanambasy anao amireo razanao Zaho, dra handray apedagna ao andolonao hanao. Sy hahita reo loza aby ze handesiko amity tora ty gny masonao.""" Ko dra nandesinigny lelahy tagny amigny pazaka zay hafasy zay.
Chapter 23

1Dra nagniraky pinday hafasy teo aminazy ze napivory teo aminazy reoloholon'i Joda vo Jerosalema aby gny pazaka. 2Dra niakasy tao atragnon'i Yaveh gny pazaka, vo reo olon'i Joda aby dra reo ponin'i Jerosalema aby nindray taminazy, vo reo pisoro, reo paminany, dra reo vahoak'aby, hatramigny kely dra hatramigny lahibe. Nivakiny teo asofon'ereo gny zakany gny bokinigny Fagneken'aby ze hita tao atragnon'i Yaveh.3Nizoro teo agnilanigny andry gny pazaka dra nanao fagneke teo agnatrehan'i Yaveh, ba hagnaraan'i Yaveh vo hitandry reo didiny, reo fisipiny, dra reo lalany, amigny fony aby vo gny fagnahiny aby, ba hagnamafy reo zakan'izay fagneke zay ze voasorasy ao amity boky ty. Dra nagneky hakato gny fagneke gny vahoaky aby.4Dragny pazaka nandidy an'i Hilkia pisorom-be, reo pisoro ambany fahefa, dra reo piamby vavahady ba hamoaky boak'ao amigny tepolin'i Yaveh reo fanaky aby ze natao ho an'i Bala vo Astarta, vo ho an'ireo kitanigny lagnisy aby. Nagnoro anizay tany ivelan'i Jerosalema tagny asaka tao amigny lohasakan'i Kidrona ereo ninday gny lavenok'ireo tany Betela. 5Nagnafoa reo pisoro panopo sapy ze nifilin'ireo pazakan'i Joda hagnoro liti-kazo magnisy tao amireo toera abo tao amireo tanan'i Joda vo tao amireo tanan'i Joda vo tao amireo nagnodidin'an'i Jerosalema izy__dra reo ze nagnoro liti-kazo magnisy ho an'i Bala, ho anigny masoandro vo gny volana, ho an'ireo planeta, dra ho an'ireo kitanigny lagnisy aby.6Namoaky gny baon'Aseraha boak'ao amigny tepolin'i Yaveh izy, tagny ivelan'i Jerosalema tagny an-dohasakan'i Kidrona dra nagnoro anizay teo. Nitorotorony ho vovoky zay dra nariany teo amireo lolom-bahoaky ze vovoky zay. 7Nilioviny reo efitragnon'ireo lelahy pivavaky mivaro-tegna ze tao atepolin'i Yaveh, ze nanenonan'ireo apela akazo ho an'i Aseraha.8Ninday reo pisoron'aby tagny ivelanigny tanan'i Joda i Josia dra nandoto reo toera abo ze agnoroan'ireo pisoro liti-kazo magnisy, nanomboky tao Geba hatragny Beri-sheba. Noravany reo toera abo teo amireo vavahady ze teo amigny fidira magnagny amigny vavahadin'i Josoa (tananigny governora), teo amigny ilany akavianigny vavahadinigny tana. 9Na dre sy nanga nisoro teo amigny alitaran'i Yaveh tao Jerosalema aza reo pisoron'ireo toera abo reo, dra nihina mofo sy misy masirasira teo amireo rahalahiny ereo.10Niloton'i Josia i Tofeta, ze tao amigny lohasakan'i Beni-hinoma, ba sy hisy olo hagnoro ao agnaty ao gny zanadahiny na gny zanakapelany ho soro ho an'i Moloka. 11Nalany reo sovala ho an'i Moloka. 11Nalany reo sovala ze namen'ereo pazakan'i Joda gny masoandro. Teo amigny farisy teo amigny farisy ho ao atepolin'i Yaveh, agnilanigny efitragnon'i Natana-melaky, tandapa reo. Noroan'i Josia reo kalesinigny masoandro.12Niravan'i Josia pazaka reo alitara ze teo amigny tafonigny efitragnon'i Ahaza farany agnabo, ze namboarinigny pazakan'i Joda, vo reo alitara ze nataon'i Manase tao amireo kiazanigny tepolin'i Yaveh rolahy. Nitorotoron'i Josia reo dra nariany tao amigny Lohasakan-driak'i Kidrona. 13Niravanigny pazaka reo toera abo asignanan'i Jerosaleka, asimonigny tendrombohisy gny faharasia ze namboarin'i Solomona pazakan'Israely ho an'i Astarta, gny sapy marikorikon'ireo Sidoniana; ho an'i Kemosy, gny sapy maharikorikon'i Moaba; dra ho an'i Moloka, gny sapy marikorikon'ireo vahoakin'i Amona. 14Nitorotoro reo sangam-bato dra nokapaina reo baon'Aseraha dra nifenony tolan'olombelo reo toera reo.15Niravan'i Josia tateraky avo koa gny alitara ze tao Betela vo gny toera ze namboaran'i Jeroboama zanadahin'i Nebata (Gny raiky ze napanota gny Israely). Noroany avo koa zay alitara zay vo gny toera abo dra nitorotorony ho bony. Noroany avo koa gny baon'Aseraha. 16Raha nagnety gny farisy Josia, dra sikariny reo lolo ze teo amigny havoa. Nagniraky lelahy ba hangalaky gny tolany boak'ao amireo olo izy; dra noroany teo amigny alitara reo, ze nandoto anizay. Zay dra araky gny zakan'i Yaveh ze nozakanigny lelahin'Agnahary, dra gny lelahy ze nizaka reo raha reo meloha.17Dra hoy izy: "Sangambato ino ty hitako ty?" Reo lelahiny tana nizaka taminazy ho: "Io dra lolonigny lelahin'Agnahary ze boak'agny Joda dra nizaka momba reo raha ze vo nataonao tamigny alitaran'i Betela." 18Dra hoy i Josia: "Angao zay. Sy misy olo tokony hamondra reo tolany." Dra nangan'ereo, nindray tamireo tolanigny paminany ze boak'agny Samaria gny tolany.19Dra nalan'i Josia reo tragno aby tagny amireo toera abo ze tagny amireo tananigny Samaria, ze nataon'ireo pazakan'Israely, dra ze nahavy an'i Yaveh ho ory. Nataony mitovy sy misy valaky tamizay natao tagny Betela reo. 20Nivonony teo amireo alitara reo pisoronigny toera abo aby dra nagnoro tolan'alombelo teo amireo izy. Boak'eo dra nihery tagny Jerosalema.21Dra nandidy gny vahoaky aby gny pazaka, nanao anizahoky ho: "Tandremo gny Paskan'i Yaveh Zagnaharindrareo, araky ze voasorasy ao amity Bokinigny Fagneke ty." 22Sy nisy fakalaza gny Paska notandrema toy zay hatramigny andron'ireo pisara ze nanapaky teo amin'Israely, na tamigny andron'ireo pazaka ze nanapaky gny Israely, na tamireo andron'ireo pazakan'Israely na Joda aby. 23Fa tamigny taona fahavalo ambiny folo nazakan'i Josia pazaka gny nakalaza tagny Jerosalema zay Paskan'i Yaveh zay.24Niroahin'i Josia avo koa reo ze nizaka tamigny maty na tamigny fagnahy. Niroahiny avo koa reo terafima, reo sapy, dra reo raha mapangelakelaky aby ze hita tao amigny taninigny Joda vo tagny Jerosalema ,ba hagnamafisa reo zakani gny lalana ze voasorasy tao amigny boky ze hitan'i Hilkia pisoro tao atragnon'i Yaveh. 25Talohan'i Josia, dra sy bo nisy pazaka manahaky anazy, ze nihery tamin'i Yaveh tamigny fony aby, gny fagnahiny aby, dra gny heriny aby, ze nagnaraky gny lalan'i Mosesy aby. Sady sy nisy pazaka manahaky an'i Josia nisanga tao afarany.26Na iza na iza, dra sy nisahasy gny firehetanigny fahatezera lahiben'i Yaveh, ze nirehisy tamin'i Joda noho reo fanopoa-sapy aby ze nihasian'i Manase Anazy. 27Ko hoy i Yaveh: "Alao sy ho eo amasoko avo koa i Joda, Manahaky gny nangalako siteo an'Israely, dra hariako ty tana ze nifiliko ty, dra i Jerosalema, vo gny tragno ze nizakako ho: 'Ho ao gny agnarako."'28Raha gny amireo raharaha hafa mahakasiky an'i Josia, gny raha aby ze nataony, moa sy fa voasorasy ao amigny bokinigny tataran'ireo pazakan'i Joda ra zay?" 29Tamigny androny, i Farao-neko, pazakan'i Egypta, dra nandeha ba hialy tamigny pazakan'i Asyria tao amigny Ony Eofrata. Nandeha nisena an'i Neko tao agnaly i Josia pazaka, dra nivonon'i Neko tao Megido izy. 30Reo panopon'i Josia ninday anazy fa maty tao agnaty kalesy boak'agny Megido, ninday anazy tagny Jerosalema, dra nandevin'anazy tao amigny lolony manoka. Dra nalanigny vahoakiny tagny i Joahaza zanadahin'i Josia, nosorany, dra nataony ho pazaka nandimby gny toeranigny rany.31Telo amby ropolo tao i Joahaza gny nanomboky nazaka, dra nazaka nandrisy gny telo vola tao Jerosalema izy. Gny agnaran-dreniny dra i Hamotala; izy dra zanakapelan'i Jeremia boak'agny Libna. 32Nanao ze rasy teo amason'i Yaveh i Joahaza, manahaky gny raha aby ze nataon'ireo razambeny. 33Nifahen'i Farao-neko rozo tao Ribla tao amigny tanin'i Hamata izy, ba sy hazakany ao Jerosalema. Dra napagnefan'i Neko taleta volafosy zato vo taleta volamena raiky i Joda.34Nataon'i Farao-neko ho pazaka teo amigny toeran'i Josia rany i Eliakima zanak'i Josia, dra novany ho Joiakima gny agnarany. Nefa ninday an'i Joahaza nagnagny Egypta izy, dra maty tagny i Joahaza. 35Nandoa gny volafosy vo volamena tamin'i farao pazaka. Ba hamalia gny fangatahan'i Farao pazaka, dra napandoa hetra gny tany i Joiakima dra nitereny ba handoa volafosy vo volamena aminazy araky gny tomban'ereo olo sirairay tamireo vahoakigny tany.36Dimy amby ropolo tao i Joiakima gny nanomboky nazaka, dra nazaka raikambiny folo taona tao Jerosalema izy. Gny agnaran-drenigny dra i Zebida; izy dra zanakapelan'i Pedaia boak'agny Romaha. 37Nanao ze rasy teo amason'i Yaveh i Joiakima, manahaky ze nataon'ireo razambeny.
Chapter 24

1Taminigny andron'i Joiakima, dra nanafiky an'i Joda i Nebokadnezara pazakan'i Babylona; lasa panopony nandrisy gny telo tao i Joiakima. Dra nitoliky dra nikomy nanohisy an'i Nebokadnezera i Joiakima. 2Nandefa gny tariky Kaldeana, Syriana, Moabita vo Amonita hanohisy an'i Joikima i Yaveh; nalefany hanohisy an'i Joiakima i Yaveh; nalefahanohisy an'i Joda ba handrava anizay ereo. Mifagnaraky aminigny zakan'i Yaveh, ze nizakany tamigny alalan'ireo paminany panopony zay.3Ka atoka fa taminigny vavan'i Yaveh gny nahavy anizay tamin'i Joda, ba hangalak'anereo sy ho eo amasony, nohonigny fahotan'i Manase, dra ze nataony aby, 4dra nohonygny lio sy manasigny ze nalasany avo koa, akory nifenony taminigny lio sy manasigny i Jerosalema. Sy nivonona gny hagnenga anizay i Yaveh.5Raha gny amireo raharaha hafa aby mahakasiky an'i Joiakima, vo ze nataony aby, moa sy fa voasorasy ao amigny bokinigny tataran'ireo pazakan'i Joda ra zay? 6Nimaty niaraky tamireo razambeny i Joiakima, dra Joiakima, dra joiakina zanany lahy gny lasa pazaka nandimby anazy.7Sy nanafiky tagny ivelany gny tanniny sasy gny pazakan'i Egypta, akory gny pazakan'i Babylona dra fa nandresy gny tany aby ze teo ambany fifehezanigny pazakan'i Egypta, hatraminigny Renirano Eofrata.8Valo ambiny folo tao i Joiakina gny nanomboky nazaka; nazaka telo vola tagny Jerosalema izy. Gny agnaranigny reniny dra i Nehosta, zanakapelan'i Elnatana boak'agny Jerosalema. 9Nanao ze rasy teo amason'i Yaveh izy; nanao ze rehetra nataonigny rany izy.10Tamizay fotoa zay gny tafik'i Nebokadnezara pazakan'i Babylona dra nanafiky an'i Jerosalema dra nanao fahirano gny tana. 11Avy teo atana i Nebokadnezara pazakan'i Babylona raha bo nanao fahirano zay gny miaramilany, 12dra i Joiakina pazakan'i Joda nagnagny amigny pazakan'i Babylona, izy, gny reniny, reo panopony, reo andriany, dra reo manapahefany. Nisambosy anizay gny pazakan'i Babylona taminigny tao fahavalo nazakany.13Nalan'i Nebokadnezera boak'ao avokoa reo raha sarobily aby tao atragnon'i Yaveh, vo reo tao andapanigny pazaka. Nitapatapahiny gny raha volamena aby ze nataon'i Solomona pazakan'Israely tao amigny tepolin'i Yaveh, araky ze nizakan'i Yaveh fa hitranga. 14Nataony sesitany i Jerosalema manotolo, gny pitariky aby, vo reo lelahy pialy aby, babo harivaraiky, vo reo panao tao-raha, dra reo panefy aby. Sy nisy nangany hizano afa-sy reo olo mahatra indindra teo amigny tany.15Nalan'i Nebokadnezara ho sesitany tao Babylona i Joiakina, bamigny reninigny pazaka, reo valiny, reo manapahefa, dra reo lahiben'ireo lelahy teo amigny tany. Nalany ho sesitany boak'agny Jerosalema agnagny babylona ereo. 16Reo lelahy pialy aby, miisa fito arivo, panao asa tagna vo panefy vy harivaraiky, izy aby reo dra natao ho amigny aly avikoa__gny pazakan'i Babylona ninday reo lelahy aby reo ho sesitany ho agny Babylona. 17Nataonigny pazakan'i Babylona ho pazaka handimby anazy i Matania, rahalahin-dran'i Joiakina, dra nivonony ho Zedekia gny agnarany.18Raiky amby ropolo tao i Zedekia gny nanomboky nazaka; nazaka nandrisy gny raiky ambiny folo tao tagny Jerosalema izy. Hamotala gny agnaranigny reniny; 19Nanao ze rasy teo imason'i Yaveh izy; nataony ze rasy aby nataon'i Joiakima. 20Taminigny fahorian'i Yaveh, gny nisehoan'ireo tranga aby reo tagny Jerosalema vo Joda, mandra-pandroahany anereo reo sy ho eo aminigny fagnatrehany. Dra nikomy nanohisy gny pazakan'i Babylona i Zedekia.
Chapter 25

1Dra tamigny tao fahasivy nazakan'i Zedekia pazaka, taminigny vola fahafolo, dra tamigny andro fahafolonigny vola, dra avy hanohisy an'i Jerosalema i Nebokadnezera pazakan'i Babylona vo reo tafiny aby. Nitoby teo agnilan'izay izy, dra nanangan'ereo rindry magnodidin'anizay. 2Dra natao fahirano hatramigny faharaiky ambiny folo tao nazakan'i Zedekia pazaka gny tana. 3Taminigny andro fahasivinigny vola fahaefasy tamizay tao zay, dra namely mafy gny mosary tao atana dra sy nisy sakafo ho anigny vahoakigny tany.4Dra vaky gny tana, dra gny lelahy pialy aby nenga taminigny hariva boak'eo amigny lalanigny vavahady teo agnelagnelan'ireo rindry ro, ze eo amigny zaridainigny pazaka, na dre nagnodidy gny tanan'aby aza reo Kaldeana. Nandeha tamigny lala magnagny Araba gny pazaka. 5Kanefa nagneziky an'i Zedekia pazaka gny tafik'i Kaldeana dra nahatrasy anazy teo amigny lemaky gny lohasaka-dreniranon'i Jordana agnilan'i Jeriko. Dra niparitaky niala taminazy gny tafiny aby.6Nisamborin'ereo gny pazaka dra nandesiny niakasy tagny amigny pazakan'i Babylona tagny Ribla, tagny ereo gny nisara anazy. 7Raha gny amireo zanadahin'i Zedekia koa, nivonon'ereo teo amason'ereo. Boak'eo dra nipisehin'ereo gny masony, nifaheny tamigny ravaky varahy izy, dra nizaka tagny Babylona.8Tamigny vola fahadimy, taminigny andro fahafitonigny vola, ze tao fahasivy ambiny folo nazakan'i Nebokadnezara pazakan'i Babylona, dra nagnagny Jerosalema, i Nebozaradana, panoponigny pazakan'i Babylona vo lahiben'ireo piambiny. 9Horoany gny tragnon'i Yaveh, gny lapanigny pazaka, dra gny tragno aby tao Jerosalema; dra noroany avo koa ze tragno lahibe manan-daza aby tao atana. 10Dra reo rindry magnodidin'an'i Jerosalema aby, dra nipotehin'ireo tafiky Babylona ze teo ambany fifahezanigny lahibenigny piamby.11Raha gny amireo vahoaky ze sisa tavela tao atana, reo ze nagnenga gny pazakan'i Babylona, dra reo vahoaky ambiny__dra nalefan'i Neborazadana, pifehy gny piamby asisitany ereo. 12Kanefa gny lahibenigny piamby dra nagnenga gny ilany tamireo mahatra indrindra amigny tany ba hiasa reo tanim-boaloboky vo reo saka.13Dra gny amireo andry varahy ze tao atragnon'i Yaveh, vo reo sangana dra reo tavin'andro varahy lahibe ze tao atragnon'i Yaveh, dra nipotepotehin'ireo Kaldeana dra nandesin'ereo nihery tagny Babylona gny varahy. 14Reo vilagny, lapely, fitoera-ziro, sotro, dra reo fanaky varahy aby ze fapesanigny pisoron'eo atepoly__dra nalan'ireo Kaldeana avokoa. 15Gny vilagny famafazan-davenoky vo gny lovia ze vita tamigny volamena, dra reo vita tamigny volafosy__dra nalanigny kapiteninigny piamby pazaka avo koa.16Reo andry ro, gny koveta, dra reo sangana ze nataon'i Solomona ho anigny tragnon'i Yaveh dra misy varahy sy hita ho zaka. 17Gny haabonigny andry voalohany dra valo ambiny folo hakiho, dra nihengo kapitaly varahy gny topon'izay. Telo hakiho gny haabonigny kapitaly, miaraky amigny harato vo apongaben-dagnisy magnodidy gny kapitaly aby, natao tamigny varahy avokoa. Mitovy amigny harato voalohany avo gny raiky hafa.18Nalanigny lahibeny gny piamby i Seraia lahibenigny pisoro, nindray tamin'i Zefania, pisoro faharo, dra reo piandry vavahady telo. 19Boak'ato atanany izy gny nangalaky tandapa raiky ho gandra ze nandraikisy reo maramila, dra dimy lahy tamireo dra pagnome hevisy gny pazaka, ze bo tao atana. Nigadrany avo koa gnymana-pahefanigny tafiky gny pazaka ze mendrekisy reo lelahy miofana ho ao amigny tafiky, nindray tamina enipolo lahy mana-kaza boak'amigny tany ao atana.20Dra i Nebozaradana, lahibenigny piamby, nangalaky vo naday anereo tagny amigny pazakan'i Babylona tagny Ribla. 21Nivononigny pazakan'i Babylona tao Ribla tao amigny tany Hamata ereo. Manahaky anizay gny nanova sesitany an'i Joda tagny ivelany gny taniny.22Raha gny amireo vahoaky ze nizano tao amigny tanin'i Joda, reo ze nangan'i Nebokadnezara pazakan'i Babylona, dra nametraky an'i Gedalia zanadahin'i Ahikama zanak'i Safana, hisahan'anereo izy. 23Dra gny fa ren'ireo lahibenigny maramila aby, ereo vo reo olony, fa nataonigny pazakan'i Babylona governora i Gedalia, dra nandeha tagny amigny Gedalia, dra nandeha tagny amigny Gedalia tagny Mizpa ereo. Tahoky zay lelahy zay, Ismaela zanadahin'i Netania, Johanana zanadahin'i Karea, Seraia zanadahin'iTanometa gny Netofatita, dra i Jazania zanadahin'gny Makatita__ereo vo gny olon'ereo. 24Nanao fianianana tamin'ereo vo tamireo olony i Gedalia, dra nizaka tamin'ereo ho: "Ka matahosy reo manapahefan'i Kaldeana handrareo. Mitoera eo amigny tany dra manopoa gny pazakan'i Babylona, dra ho soa ho andrareo zay."25Kanefa tamigny volana fahafito i Ismaela zanadahin'i Elisama, boak'amigny pianakaviny pazaka, dra nandeha nindray taminy folo lahy dra nanafiky an'i Gedalia. Maty nindray tamireo olon'i Joda vo reo Babyloniana ze nindray taminazy tagny Mizpa i Gedalia. 26Dra gny vahoak'aby, gny masaiky indrindra dra hatramigny lahibe ndrindra, dra reo lahibenigny maramila, dra niala vo nagnagny Egypta, akory natahosy an'ireo Babyloniana ereo.27Taty afara tamigny fahafito amby telopolo tao naha-sesitany an'i Joakina pazakan'i Joda, gny vola faharo ambiny folo, andro fahafito amby ropolonigny vola, dra namotosy an'i Joakina pazakan'i Joda tagny apoza i Evila-merodaka pazakan'i Babylona. Tamigny tao nanombohan'i Evila-merodaka nazaka zay gny niseho.28Nizaka taminazy tamigny Hasoa-fagnahy gny nagnome seza fiandriana mana-kaza kokoa noho gny an'ireo pazaka hafa ze nindray taminazy tao Babylona izy. 29Nalan'i Evila-merodaka gny akazo maha-gadra an'i Joakina, dra i Joakina dra nihina teo aminigny latabasy gny pazaka nandrisy gny andro-piegnany. 30Name solo-sakafo isan'andro izy nadrisy gny andro-piegnany.

1 Chronicles

Chapter 1

1Adama, Seta, Enosy,2Kenana, Mahalalila, Jereda,3Enoka,Metosela,Lameky.4Sema, Hama vo i Jafeta gny zanadahin'i Noa.5Reo zanadahin'i Jafeta dra Gomera,Magoga,Maday, Javana, Tobala,Maseta,dra i Tirasa.6Dra reo zanadahin'i Gomera dra i Asekenaza, Rifata, dra Togarma.7Reo zanadain'i Javana dra i Elosa, Tarisisy, Kitima,dra Dodanita.8Reo zanadahin'i Hama dra i Kosy,Mizraima,Pota, dra Kanana.9Reo zanahin'i Kosy dra i Seba, havila, Sabta, Ragama, dra Sabketa.Reo zanadahin'i Ragama dra i Seba vo i dedana.10Koa niteraky an'i Nimroda, zay mpandresy volohany teto an-tany.11Mizraima dra lasa razamben'ereo Lodita, Anamita, Lehabita, Naftohita,12Patrosita vo gny Kaslohita (zay niavian'ereo Filistiana), dra reo Kaftorita.13Kanana niteraky an'i Sidona,lahimatoany, vo Heta.14Lasa razambeny Jebosita. Amorita, vo i Girgasita, 15Havita, Arkita, Sinita,16Arvadita, Zemarita, dra gny Harnatita avo koa izy.17Reo zanadahin'i Sema dra Elama, Asyra, Arpahada, Loda, Arama, Oza, Hola,Gatera, dra Maseka.18Arpaksada niteraky an'i Sela, dra Sela niteraky an'i Ebera.Nana-janaky ro lahy i Ebera.19Gny agnarany raiky dra i Palega, satria tamy androny dra nizara gny tany.Joktana gny agnarany rahalahiny.20Joktana niteraky an'i Almodada, Salefa, Hazarmaveta, Jera,21Hadoroma,Ozala, Dikla 22Ebala, Abimaela,Seba,23Ofira, Havila, Jobaba;taranak'i Joktana avo koa reo.24Sema, Arpaksada, Sela,25Ebera, Pelega, reo,26Seroga, Nahora, Tera,27Abrama, zay Abrahama zay.28Reo zanadahin'i Abrahama dra Isaka vo i Isamaela.29Tahoky aby gny zanadahin'izay reo:gny lahimatoan'Ismaela dra i Nebaiota, laha teo Kedara, Abdela, Mibsama,30Misma,Doma, Masa,Hadada, Tema,31Jetora,Nafisy, dra i Kedma.Reo gny zanadahin'Ismaela.32Reo zanadahin'i Ketora, vadisindranon'i Abrahama, dra i Zimrama, Joksana, Medana, Midiana, Jisbaka, dra Soaha.Reo zandahin'i Joksana dra i Sheba vo Dedana.33Reo zanadahin'i Midiana dra i Efaha, Efera, Hanoka, Abida, dra Eldaha.Reo aby reo dra taranak'i Ketora.34Abrahama niteraky an'Isaka.Reo zanadahin'Isaka dra i Esao vo Israely.35Reo zanadahin'i Esao dra i Elifaza, Regoela, Jeosy, Jalama, dra Kora.36Reo zanadahin'i Elifaza dra Temana, Omara, zefo, Gatama, Kanaza, Timna, dra Amaleka.37Reo zanadahin;i Regoela dra i Nahata, Zera, Sama, dra i Miza.38Reo zanadahin'i Seira dra i Lotana, Sobala, Zibona, Ana, Disona, Ezera, dra i Disana.39Reo zanadahin'i Lotana dra i Hori vo i Homana, dra Timna gny anabavin'i Lotana.40Reo zanadahin'i Sobala dra i Aliana vi Manahata, Ebala, Sefy, dra Onama. Reo zanadahin'i Ziona dra Aia vo i Ana.41Gny zanadahin'i Ana dra i Disona.Reo zandahin'i Disona dra Hamrana, Esbana, Jitrana dra Kerana.
43Tahoky reo mpazaka ze nazaka tany amy tany Edoma talohany nazakan'izay mety ho mpazaka teo amin'ereo Israelita:Bela zanadahin'i Beora, dra gny agnarany tanany dra Dinaba.44Fa gny maty Bela, dra Jobaba zanadahin'i Zera laha tagny Bozra gny nazaka nandimby gny toerany.45Fa gny maty Jobaba, dra Hosama laha tagny amy taminy Temanita gny nazaka nandimby gny toerany.46Fa gny maty Hosama, dra i Hadada zanadahin'i Bedada, zay nandresy reo Midianita tagny amy tanin'i Moaba, gny nazaka nanndimby gny toerany.Avita gny agnarany tanany.47Fa gny maty Hadada, dra nazaka teo amy toerany i Samla laha tagny Masreka.48Fa gny maty Samla, dra nazaka nandimby gny toerany i Saoly laha tagny Rehobota Hanahara.49Fa gny maty Saoly, dra nazaka nandimby gny toerany i Bala-hanana zandahin'i Akbora.50Fa gny maty Bala-hanana zanadahin'i Akbora, dra nazaka nandimby gny toerany i Hadara.Pao gny agnarany tanany.Gny agnaram-baliny dra Mehetabela zanakapelan'i Matreda zanakapelan'i Me-zahaba.51Maty Hadada.Dra gny lohan'ereo foko tagny Edoma dra i Timana, Alva, Jetata, 52Oholibama. Elaha, Pinono, 53Kenaza, Temana, Mibzara, 54Magdiela, dra i Irama.Reo gny lohan'ereo foko tagny Edoma.
Chapter 2

1Tahoky aby reo zandahin'Israely:Robena, Simeona, Levy, Joda, Isakara, Zebolona,2Dana, Josefa, Benjamina, Naftaly, Gada, dra Asera.3Reo zandahin'i Joda dra i Era, Onana, dra Sela, zay nateriny tamy zanakapelan'i Batsoa, gny Kananita. Era lahimatoan'i Joda, dra rasy fagnahy teo amason'i Yaveh, dra nivonon'i Yaveh izy.4Tamara, vanatony ampela, niteraky an'i Fareza vo Zera taminazy.Nana-janaky lahy dimy i Joda.5Hezrona vo Hamola gny zandahin'i Fareza.6Reo zanadahin'i Zera koa dra Zimry, Etana, Hemana, Kalkola, dra Dara, dimy gny fitambarany.7Gny zandahin'i Kaemy dra i akara, zay ninday fikoron-tanagna teo amin'Israely fa gny namgalasy zay voatoka ho agn'Agnahary izy.8Azaria gny zandahin'i Etana.9Jeramela, Rama, dra Kelobay gny zanadahin'i Hezrona.10Rama niteraky an'i Aminadaba, dra Aminadaba niteraky an'i Nasona, mpitariky raiky eo amin'ereo taranak'i Joda.11Nasona niteraky an'i Salma, dra Salma niteraky an'i Boaza.12Boaza niteraky an'i Obeda, dra Obeda niteraky an'i Jese.13Jese niteraky an'i Eliaba lahimatoany, i Abinadaba faharo, Simea fahatelo, 14Netanela fahafasy, Raday fahadimy, 15Ozema faheny, dra Davida fahafito.16abigaila vo i Zeroba gny anabavin'izy reo. Abisay, Joaba, dra Asahela, telo mirahalahy gny zanadahin'i Zeroba.17Abigaila niteraky an'i Amasa, zay Jitra gny Ismaelita gny rany.18Kaleba zanadahin'i Hezrona niteraky zanaky laha tamin'i Azoba, valiny, vo tamin'i Jeriota.Jasera, Saboba, dra Ardona gny zanadahiny.19Maty Azoba, dra nalan'i Kaleba ho valy i Efrata, zay niteraky an'i Hora taminazy.20Hora niteraky an'i Ory, dra niteraky an'i Bezalila.21Tafarafara kely Hezrona ( Fa gny animpolo tao izy)dra nampakasy gny zanakapelan'i Makira, ran'i Gileada.Niteraky an'i Segoba taminazy izy.22Segoba niteraky an'i Jaira, zay nifehy tana telo amby ropolo tao amy tanin'i Gileada.23Nalan'i Gesora vo Arama gny renovohisin'i Jaira vo Kenata, bamin'ereo renivohisy enipolo magnodify.Samy taranak'i Makira,ran'i Gileada avo koa reo mpony aby reo.24Tafarany nahafatesan'i Hezrona, dra nandry niaraky tamin'i Efrata, valin'i Hezrona rany i Kaleba.Niteraky an'i Asora, ran'i Tekoa taminazy ziy.25Dra reo zanadahin'i Jeramela , gny lahimatoan'i Hezrona, dra i Rama gny lahimatoa, Bona, Orena, Ozema, dra Ahia. 26Bo nana valy hafa koa i Jeramela, zay Atara gny agnarany.Izy gny ranin'i Onama.27Reo zanadahin'i Rama, gny lahimatoan'i Jeramela, dra i Maza, Jamina, dra Ekera.28Samay vo Jada gny zanadahin'i Onama.Nadaba vo i Abisoro gny zandahin'i Samay.29Gny agnarany valin'i Abisora dra Abihaila, dra niteraky an'i Abana vo Molida taminazy izy.30Saleda vo Apaima gny zanadahin'i Nadaba, fa i Saleda koa dra maty sy nana-janaky.Jisy gny zanadahin'i Apaima.31Sesana gny zanadahin;i Jisy.Ahelay gny zanadahin'i Jada, rahalahin'i Samay, dra Jatera vo Jonatana.Maty sy nana-janaky i Jatera.33Paleta vo zaza gny zanadahin'i Jonatana. Reo gny taranak'i Jeramela.34Dra Sesana sy nana-zanaky lahy, fa zanakapela avo.Nana mpanompo o Sesana, zay Egyptiana, jara gny agnarany.35Nomen'i Sesana ho an'i Jara mpanompony gny zanakapelany ba ho valiny. Niteraky an'i Atahy taminazy izy.36Atahy niteraky an'i Natana, dra Natana niteraky an'i Zabada.37Zabada niteraky an'i Efiala, dra Efiala niteraky an'i Obeda. 38Obeda niteraky an'i Jeho, dra Jeho niteraky an'i Azaria.39Azaria niteraky an'i Haleza, dra Haleza niteraky an'i Elasa.40Elasa niteraky an'i Sismay, dra Sismay niteraky an'i Saloma.41Saloma niteraky an'i Jekamia, dra Jakamia niteraky an'i elisama.42Reo zandahin'i Kaleba, rahalahin'i Jeramela, dra Mesa lahimatoany, zay Razambeny agny Zifa.Gny zanadahiny faharo, Maresa, gny razambeny agny Hebrona.43Kora, Tapoa, Rakema, dra Sema gny zanadahin'i Hebrona.44Sema niteraky an'i Rahama, ran'i Jorkeama. Rakema niteraky an'i Samay.45Maona gny zanadahin'i Samay, dra Maona gny razamben'i Beti-zora.46Efaha, vadisindranon'i Kaleba, niteraky an'i Harana, Moza, dra Gazeza. Dra Harana niteraky an'i Gazeza.47Ragema, Jotama, Gesana, Paleta, Efaha, dra Safa gny zanadahin'i Jeday.48Maka, vadisindranon'i Kaleba, niteraky an'i Sabera vo Tirana.Niteraky an'i Safa razambeny agny Madmana, Seva razambeny agny Makbena vo razambeny agny Gibea avokoa izy.49Gny zanakapelan'i Kaleba dra i Aksa.Reo gny taranak'i Kaleba.50Tahoky aby gny zanadahin'i Hora, lahimatoany avy tamin'i Efrata:Sobala razambeny agny Kiriata-Jearima,51Salma razamben'i Betlehema, dra Harefa razambeny agny Beti-gadera.52Sobala razambeny agny Kiriata Zarima dra nana taranaky :Haroe,gny asasaky gny vahoaky Hamenakota, 53dra reo fokon'i Kiriata Zarima:dra reo Jitrita, Potita, Somatita, dra Misraita.Reo Zoraita vo Estaolita dra taranaky avy amin'ereo.54Tahoky magnaraky tahoky gny fokon'i Salma:Betlehema, reo Netofatita, Atrota Beti-Joaba, dra gny asasak'ereo Hamanatita-reo Zoraita, 55reo fokon'ereo mpanora-dalana zay nony tagny Jabeza dra :reo Tiratita, Simeatita, dra gny Sokatita.Reo Gny Kenita zay taranaky laha tamin'i Hamata, razamben'ereo Rekabita.
Chapter 3

1Dra tahoky aby gny zanadahin'i Davida zay naterany tagny Hebrona:Amnona gny lahimatoa, zanak'i ahinoama laha tagny Jezirela;Daniela gny faharo, zanak'i Abigaila laha tagny Karmela;2Absaloma, zanak'i Maka, zanakapelan'i talmay mpazakan'i Gesora gny fahatelo.Adonia zanadahin'i Hagita gny fahefasy;3Sefatia zanadahin'i Abitala gny fahadimy;Jitreama zanadahin'i Egla valiny gny faheny.4Reo enina reo gny naterak'i Davida tao Hebronam zay nazakany nandrisy gny fito tao vo enim-bola.Laha teo izy nanapaky nandrisy gny telo amby telo-polo tao Jerosalema.5Tahoky zazalahy efasy tahoky, zay avy amin'i Batsoa zanakapelan'i Amiela, dra naterany tagny Jerolema:Simea, Sobaba, Natana, dra Solomona.6Reo zanadahin'i Davida sivy hafa dra:Jibara, Elisama, Elifeleta, 7Noga, Nafega, Jafia,8Elisama, Eliada, dra Elifeleta.9Reo gny zandahin'i Davida, sy ao agnatin'izay reo zanany laha tamin'ereo vadisindranony.Tamara gny anabavin'ereo.10Rehoboama gny zanadahin'i Solomono.Abia gny zanadahin'i Rehoboama.Asa gny zanadahin'i Abia.11Josafata gny zanadahin'i Asa.Jehorama gny zanadahin'i Josafata.Ahazia gny zanadahin'i Jehorama.Joasy gny zanadahin'i ahazia.12Amazia gny zanadahin'i Joasy.Azaria gny zanadahin'i Amazia.Jotama gny zandahin'i Azaria.13Ahaza gny zanadahin'i Jotama.Hezekia gny zanadahin'i Ahaza.14Manase gny zanadahin'i Hezekia.Amona gny zanadahin'i Manase.Josia gny zanadahin' Amona.15Johanana gny zanak'i Josia kahimatoa, Joikima gny faharoa, Zedekia gny fahatelo, dra Saloma gny fahefasy.16Jekonia vo Zedekia gny zanadahin'i Joiakima.17Reo zanadahin'i Jekonia, gny babo, dra Sealtiela, 18Malkirama, Pedaia, Senazara, Jekamia, Hosama, dra Nedabia.19Zerobabela vo Simey gny zanadahin'i Pedaia.Mesolama vo Hanania gny zanadahin'i Zerobabela;Selomita gny anabavin'ereo.20Reo zanadahiny hafa dra Hasoa, Ohela, Berekia, Hasadia, dra Josaba-heseda.21Reo zanadahin'i Hanania dra Pelatia vo Jisaia. Rafaia gny zanadahiny, dra Arnana, Obadia, vo Sekania gny taranaky maromaro .22Semaia gny zanadahin'i Sekania.Hatosy , Jigala, Baria, Nearia, Dra Safata gny zanadahin;i Semaia.23Reo zanadahin'i Nearia telo dra i Elioenay, Hezekia, dra i Azrikama.24Reo zanadahin'i Elioenay fito dra Hodaia, Eliasiba, Pelaia, Akoba, Johanana, Delaia, dra Anany.
Chapter 4

1Reo taranak'i Joda dra Fareza, Hezrona, Kaemy, Hora, dra Sobala.2Sobala gny ran'i Reaia.Reaia gny ran'i Jahata.Jahata gny ran'i Ahomay vo Lahada.Reo gny razambeny fokon'ereo Zoraita.3Tahoky aby reo razamben'ereo foko tao amy tanan'i Etama:Jezirela, Jisma, dra Jidbasy.Hazelelpony gny agnarany anabavin'ereo.4Penoela gny razambeny foko tao amy tanan'i Gedora.Ezera gny fiatombohan'ereo foko tao Hosa.Reo gny taranak'i Hora, gny lahimatoan'i Efrata vo razambeny agny Betlehema.5Asora razambeny agny Tekoa dra nana valy ro, Hela vo Nara.6Nara niteraky an'i Ahozama, Hafera, Temeny dra Hahastary. Reo gny zandahin'i Nara.7Reo zandahin'i Hela dra Zareta, Jizara, Etnana 8dra Hakoza, zay niteraky an'i anoba vo i Zobeba, vo gny foko laha tamy taranak'i Aharela zanadahin'i Haroma.9Jabeza dra voahaza koa noho reo rahalahiny.Jabeza gny nitokava gny reniny anazy .Hoy izy ho:''Satria tamy fatahora gny niterahako anazy.''10Nitoka agny Zagnahary gny Israely i Jabeza dra nizaka ho:''Raha hitahy anahy vatany ianao, dra hizaka gny fari-taniko, dra gny tagnanao homba anahy. Fa gny manao anizay ianao dra hiarao anahy amy rasy , ba ho afaky amy fahatahorako !''Koa dra notaterahin'Agnahary gny fivavany.11Keloba rahalahin'i Soha niteraky an'i Mehira, zay ran'i Estona.12Estona niteraky an'i Betirafa, Pasea, dra Tehina, zay nagnory gny tanana'i Ir-nahasa. Reo aby reo olo nony tao Reka.13Reo zanadahin'i Kenaza dra Otniela vo Seraia.Reo zanadahin'i Otniela dra Hatata vo Meonotahy.14Meonotahy niteraky an'i Ofra,dra Seraia niteraky an'i Joaba, gny niatombohany lohasahany mpiasa, zay mpanao asa-tagna gny vahoakiny.15Reo zandahin'i Kaleba zanadahin'i Jefone dra Iro, Elaha vo Nama.Gny zanadahin'i Elaha dra Kenaza.16Reo zanadahin'i Jehalalila dra i zifa, Zifaha, Tiria dra Asarela.17reo zanadahin'i Ezra dra i Jatera, Mareda, Efera dra i Jalona.Gny Egyptiana valin'i Mareda dra niteraky an'i Miriama, samay dra Jisba, zay razameny agny estemoa.Reo gny zanadahin'i Bitia, zanakapelan'i Farao, zay nivalin'i Mareda.18Gny Jiosy valin'i Mareda dra niteraky an'i Jareda, zay niteraky an'i Gedora;Hebera, zay niteraky an'i Soko;dra Jakotiela zay niteraky an'i Zanoa.19Gny amin'ereo zanaky ro lahy valin'i Hodia, anabavin'i Nahama, gny raiky dra niteraky an'i Keila gny Garmita.Gny hafa dra Estemoa gny Makatita.20Reo zanadahin'i Simona dra i Amnona, Rina, Ben-hanana, dra Tilona.Reo zanadahin'i Jisy dra i Zoheta vo Ben-zoheta.21Reo taranak'i Sela zanadahin'i Joda dra Era ran'i Leka, Lada ran'i Maresa vo reo fokon'ereo mpanao rongony fosy madiniky tagny Asbea,22Jokima, reo vahoakin'i Kozeba, dra Joasy vo sarafa, zay nana fanagna tao Moaba, nefa nihery tagny Betlehema .(Laha tamin'ereo raki-sorasy taloha io fampahafatara io)23Gny sasany tamin'ereo olo mpanefy vo tanimanga reo dra nony tao Netaima vo Gadera dra niasa ho agny mpazaka.24Reo taranak'i Simeona dra Nemoela, Jamina, Jariba, Zera dra Saoly.25Saloma gny zanadahin'i Saoly, Mibsama gny zanadahin'i Mibsama.26Reo taranak'i Misma dra i Hamoela zanadahiny, Zakora zafiny, dra Simey zafiafiny.27Simey dra nana zanadahy enina ambiny folo dra zanakapela enina.Gny rahalahiny dra sy nana zanaky maro, ka sy nitombo manahaky gny vahoakin'i Joda gny isan'ereo fokony.28Nony tao Ber-sheba, Molada, vo tao Hazara-soala izy reo.29Nony tao Bila, Ezema vo Tolada,30Betoela, Horma vo Ziklaga, 31Beti-markobota, Hazora-sosima, Beti-biry dra Saraima avo koa izy reo.Reo gny tanan'ereo mandra-pazakan'i Davida.32Reo tana dimin'ereo dra Etama, Aina, Rimona, Tokena, dra Asana, 33niaraky tamin'ereo tana magnodidy hatragny Bala.Reo gny fonenan'ereo. dra izy reo gny nihazo gny tahiriny tetiarana.34Reo mpitariky gny foko dra i Mesobaba, Jamleka, Josa zanadahin'i Amazia, 35Joela, Jeho zanadahin'i Josibia zanadahin'i Seraia zanadahin'i Asiela, 36Elioenay, Jakoba, Jesohaia, Asaia, Adiela, Jasimiela vo Benaia.37dra Ziza zanadahin'i Sify zanadahin'i Alona zanadahin'i Semaia.38Reo agnarany voatogno reo gny mpitariky tao amy fokon'ereo, dra nitombo maro reo fokony.39Nihamariny'i Gedora izy reo, tagny amy ilany asignanany lohasaha, ba hitalia ahisy ho agny agn'ondry vo osin'ereo. 40Nahita ahisy maro sady soa izy reo.Nalalaky, nangingina, dra nilamy gny tany.Fa mony tao reo Hamita tagny alohy.41Reo voasorasy agnara reo dra avy tamy andron'i Hezekia mpazakan'i Joda, ka nanafiky gny fonenan'i Hamita vo reo Meonita, zay tao avo koa.Naringan'ereo tateraky izy reo dra mony tao satria nahita ahisy ho an'ereo agn'ondry vo osin'ereo.42Nisy lelahy dima-zato laha taminy fokon'i Simeona nagnany amy lohambohisy Seira, niaraky tamin'ereo mpitarikin'ereo dra i Peletaia, Nearia, Refaia, dra Oziela zanadahin'i Jisy, 43Nandresy gny sisa afaky tamy Amalekitya izy reo , ka nonita tao mandrak'androany.
Chapter 5

1Reo zanadahin'i Robena gny lahimatoan'Israely-dra Robena gny Lahimatoan'Israely, Kanefa nomeny an'ereo zanadahin'i Josefa zanadahin'iIsraely gny fizokiany satria nandoto gny fandrian-drany i Robena.Ka dra sy voasorasy ho zanadahiny zokiny indrindra tamin'ereo rahalahiny, dra laha taminazy gny niavian'ereo rahalahiny, dra avy aminazy gny niaviany mpitariky.Kanefa gny fizokia dra an'i Josefa-3reo zanadahin'i Robena, gny lahimatoan'Israely dra i Hanoka, Palo, Hezrona, dra Karmy.4Tahoky aby gny taranak'i Joela:gny zanadahin'i Joela dra i Semaia.5Gny zanadahin'i Semaia dra i Goga.Gny zanadahin'i Goga dra i Simei.Gny zanadahin'i Semei dra i Mika.Gny zanadahin'i Mika drai Reaia.Gny zanadahin'i Reaia dra i Bala.6Gny zanadahin'i Bala dra i Bera, gny nalan'i Tiglato-pilesera mpzakan'i Asyria ho Babo.Bera dra mpitariky tao amy fokon'i Robena.7Tahoky magnaraky tahoky gny havan'i Bera aby amin'ereo fokony, zay voahiaky ao amy tahiriny tetiaran'ereo:Jeiela gny zokiny aby, Zakaria, vo i 8Bela zanadahin'i Azaza zanadahin'i Sema zanadahin'i Joela,Nony tagny Aroera, hatragny manomboky eo amy efisy ze mihitasy hatragny amy renirano Efrata izy reo.Zay dra satria nana biby fiteza maro amy tanin'i Gileada izy reo.10Tamy andron'i Saoly, dra nanafiky an'ereo Hagrita gny fokon'i Robena dra nandresy anazy reo.Mony tao amy lain'ereo Hagrita nanerany gny tany aby tagny asignanan'i Gileada izy reo.11Mony teo marinin'ereo gny mpikamba tao amy fokon'i Gada, teo amy tany Basana hatragny Saleka.12Gny mpitaraiky anazy reo dra i Joela, zay lelabeny foko, dra Safama gny lahibeny foko hafa, dra Janay vo Safata tagny basana.13Reo havan'ereo , laha tamin'ereo fianakavian-drany, dra i Mikaela, Mesolama, Seba, Joray, Jakana, Zia, dra Ebera-fito gny fitambarany.14Reo olo voazaka agnara eo agnabony reo gny taranak'i Abihaila, dra zanadahin'i Hory.Hory dra zanadahin'i Jaroa.Jaroa dra zanadahin'i Gileada, Gileada dra zanadahin'i Mikaela.Mikaela dra zanadahin'i Jesisay.Jesisay dra zanadahin'i Jado.Jado dra zanadahin'i Boza.15Ahia zanadahin'i Abdiela zanadahin'i Gony, gny loham-pianakaviany ran'ereo.16Mony tao Gileada, tagny Basana, tao amy renivohiny izy reo, dra tao amy tagny fihinanam-bilon'i Sarona aby hatragny amy sisin-tany .17Reo aby reo dra voahiaky araky gny tahiry tetiarana tamy andron'i Jotama mpazakan'i Joda vo tamin'i Jeroboama mpazakan'Israely.18Reo Robenita, reo Gadita, dra gny asasaky gny fokon'i Manase dra nana miaramila efasy arivo vo efasy aly voahofa ho amy aly, zay nita ampinga vo sabata, dra nagneza gny sipiky.19Nanafiky an'ereo Agarita, Jetora, Nafisy , dra nodaba izy reo.20Nandramby fagnampia laha tamin'Agnahary izy reo ba hameleza anazy reo.Tamin'izay fomba zay, gny naharesy reo Agarita vo zay aby niaraky tamin'ereo. Zay dra satria nitalaho tamin'Agnahary tany an'aly gny Israelita, dra namaly anazy reo Izy, satria nametraky gny fitokosany taminazy izy reo.21Nisamborin'ereo gny biby fitezany, agnisan'izay gny rameva dimy hariva, agn'ondry vo osy 250. 000. boriky ro arivo, dra lelahy 100.000. 22Satria Zagnahary nialy ho anazy reo, dra nivonon'ereo gny ankamaroan'ereo fahavalo. Mony tao amy taniny izy reo mandra-pahaviny fanababoa.23Mony teo amy tany Basana hatragny Bala Hermona vo Senira (Tendrombohisy Hermona zay)gny asasany gny fokon'i Manase.24tahoky aby gny mpitariky gny fianakavian'ereo:Efera , Jisy, Eliala, Azriela,Jeremia, Hodavia vo be risi-po, lelahy malaza, mpitariky gny fianakavian'ereo.25Kanefa sy nahatoky gny Zagnaharin'ereo razambeny izy reo.Fa koa, nanompo gny Zagnaharin'ereo vahokiny tany, zay fa niravan'Agnahary teo anatrehan'ereo.26Gny Zagnaharin'Israely nampirisiky an'i Pola mpazakan'i Asyria, (Nitokavy avo koa ho Tiglato-pilesera, mpazakan'i Asyria).Nalefany sesi-tany reo Robenita, Gadita, dra gny asasny gny fokon'i Manase.Nandesiny tagny Hala, Habora, Hara, dra tagny amy reniranon'i Gozana izy reo, zay hitoeran'ereo mandrak'Androny.
Chapter 6

1Reo zanadahin'i Levy dra i Gersona, Kehata, dra i Merary.2Reo zanadahin'i Kehata dra i Amrama, Jizara, Hebrona, dra Oziela.3Reo zanak'i Amrama dra i Arona, Mosesy dra Miriama.Reo zanadahin'i Arona dra Nadaba, Abiho, Eleazara, dra Itamara.4Eleazara niteraky an'i Finehasa, dra Finehasa niteraky an'i Abisisoa.5abisoa niteraky an'i Boky, dra Boky niteraky an'i Ozy.6Ozy niteraky an'i Zerahia, dra Zerahia niteraky an'i Meraiota.7Meraita niteraky an'i Amaria, dra Amaria niteraky an'i Ahitoba.8Ahitoba niterka an'i Zadoka, dra Zadoka niteraky an'i Ahimaza.9Ahimaza niteraky an'i Azaria, dra Azaria niteraky an'i Johanana.10Johanana niteraky an'i Azaria, zay nanompo tao amy tempoly zay namboarin'i Solomona tany Jerosalema.11Azaria niteraky an'i Amaria, dra Amaria niteraky an'i Ahitoba.12Ahitoba niteraky an'i Zadoka, dra Zadoka niteraky an'i Saloma.13Saloma niteraky an'i Hilkia, dra Hilkia niteraky an'i Azaria. 14Azaria niteraky an'i Seraia, dra Seraia niteraky an'i Jozadaka.15Lasa babo i Jozadaka fa gny nataon'i Yaveh sesi-tany tamy gny tanan'i Nebokadnezara i Joda vo Jerosalema.16Reo zanadahin'i Levy dra i Gersona, Kehata, dra Merary.17Reo zanadahin'i Gersona dra i Libny vo Semey.18Reo zanadahin'i Kehata dra i Amrama, Jizara, Hebrona, dra Oziela.19Reo zanadahin'i Merary dra i Maly vo Mosy.Lasa fokon'i Levita laha tamin'ereo fianakavian-drany izy reo.20Reo taranak'i Gersona dra nanomboky tamin'i Libny zanadahiny. Gny zanadahin'i Libny dra i Jahata.Gny zanadahiny dra i Zima. 21Gny zanadahiny i Joa. Gny zanadahiny dra i Ido.Gny zanadahiny i Zera.Gny zanadahiny dra i Jeateray.22Reo taranak'i Kehata dra nanomboky tamin'i Aminadaba zanadahiny.Gny zanadahiny dra i Kora. Gny zanadahiny dra i Asira.23Gny zanadahiny dra i Elkana. Gny zanadahiny dra i Asira.24Gny zanadahiny dra i Tahata, Gny zanadahiny dra i Oriela.Gny zanadahiny dra i Ozia. Gny zanadahiny dra i Saoly.25Reo zanadahin'i Elkana dra i Amasay, Ahimota, dra Elkana.26Gny zanadahin'itio Elkana faharo itio dra i Zofay. Gny zanadahiny dra i Nahata.27Gny zanadahiny dra i Eliaba.Gny zanadahiny dra i Jerohama. Gny zanadahiny dra i Elkana.28Reo zanadahin'i Samoela, dra i Joela lahimatoa, dra Abia, gny faharo.29Gny zanadahin'i Merary dra Maly.Gny zanadahiny dra Libny. Gny zanadahiny dra i Semey. Gny zanadahiny dra dra Oza.30Gny zanadahiny dra Simea. Gny zanadahiny dra Hagia.Gny zandahiny dra Asaia.31Tahoky aby reo agnaran;ereo lelahy ze nataon'i Davida hiandraikisy gny raha-magneno tao an-tragnon'i Yaveh, tao afarany nizagnany tobily tao. 32Nanompo tamy fihira nanoloa gny tabernakely, gny tragno gny fihiogna izy reo, mandra-pahavitan'i Solomona gny tragnon'i Yaveh tagny Jerosalema. Nahatateraky gny adidiny nifagnaraky tamin'ereo toromariky ze nomeny anazy reo.33Tahoky aby reo zay nanompo niaraky tamin'ereo zanadahiny.Laha tamy fokon'i Kehatita i Hemana mpitendry raha-magneno.Tahoky aby reo razambeny, mihery araky gny fotoa:Hemana gny zanadahin'i Joela. Joela gny zanadahin'i Samoela.34Samoela gny zanadahin'elkana.Elkana gny zanadahin'i Jerohama.Jerohama gny zanadahin'i Eliala.Eliala gny zanadahin'i Toa.35Tahoky gny zanadahin'i Zofa.Zofa gny zanadahin'i Elkana.Elkana gny zanadahin'Amasay. Amasay gny zanadahin'i Elkana.36Elkana gny zanadahin'i Joela.Joeala gny zanadahin'i Azaria.Azaria gny zanadahin'i Zefania.37Zefania gny zanadahin'i Tahata.Tahata gny zanadahin'i Asira.Asira gny zanadahin'i Ebiasafa.Ebiasafa gny zanadahin'i Kora.38Kora gny zanadahin'i Jizara.Jizara gny zanadahin'i Kehata.Kehata gny zanadahin'i Levy. Levy gny zanadahin'Israely.39Asafa gny mpiara-miasa tamin'i Hemana, zay nisanga teo amy tagnany ankavana.Asafa gny zanadahin'i Berekia.Berekia gny zanadahin'i Simea. 40Simea gny zanadahin'i Mikaela. Mikaela gny zanadahin'i Beseia.Beseia gny zanadahin'i Malkia.41Malkia gny zanadahin'i Etny.Etny gny zanadahin'i Zera.Zera gny zanadahin'i Adaia. 42Adaia gny zandahin'i Etana.Etana gny Zanadahin'i Zima. Zima gny zanadahin'i Simey.43Simey gny zanadahin'i Jahata. Jahata gny zanadahin'i Gersona. Gersona gny zanadahin'i Levy.44Teo amy tagnany ankavian'i Hemana reo zanadahin'i Merary zay mpiara-miasa taminazy. Agnisan'izay i Etana zanadahin'i Kisy.Kisy dra zandahin'i Abdia.Abdia gny zanadahin'i Hasabia.Hasabia gny zanadahin'i Amazia.Amazia gny zanadahin'i Hilkia.46Hilkia gny zanadahin'i Amzy. Amzy gny zanadahin'i Samera.47Samera gny zanadahin'i Maly. Maly gny zanadahin'i Mosy. Mosy gny zanadahin'i Merary. Merary gny zanadahin'i Levy.48Reo mpiara-miasa amin'ereo, reo Levita, dra voatendry hanao gny asa aby ho agny tabernakely, gny tragnon'Agnahary.49Arona vo reo zanadahiny gny nanao gny fagnatisy teo amy alitara ho agny fagnatisy oroa;vo gny fagnatisy teo amy alitarany litin-kazo magnisy ho agny asa aby eo toera masy indrindra. Reo fagnatisy reo gny nanova fagnavota ho an'Israely, araky zay aby nandidin'i Mosesy gny mpanompon'Agnahary.50Reo taranak'i Arona dra voahiaky manahaky anizao magnaraky zao:gny zanadahin'i Arona dra Eleazara.Gny zandahin'i Eleazara dra Finehasa. Gny zanadahin'i Finehasa dra Abisoa.51Gny zanadahuin'i Abisoa dra Boky. Gny zanadahin'i Boky dra Ozy.Gny zanadahin'i Ozy dra Zerahia.52Gny zanadahin'i Zerahia dra Meraiota.Gny zanadahin'i Meraiota dra Amaria.Gny zanadahin'i Amaria dra Ahitoba.53Gny zanadahin'i Ahitoba dra Zadoka. Gny zanadahin'i Zadoka dra Ahimaza.54Tahoky aby reo toera ze voatondro honenan'ereo taranak'i Arona, zay natao ho an'ereo taranak'i Arona zay aby amy fokon'i Kehatita (gny filoka volohany dra anazy reo).55Nomen'ereo anazy reo Hebrona agny amy tanin'i Joda vo reo tany fihinanam-bilony, 56fa reo sahany tana vo reo vihiny koa dra nomen'ereo an'i Kaleba zanadahin'i Jefone.57Ho an'ereo taranak'i Arona dra nomen'ereo:Hebrona ( tana gny fialofana), vo Libna miaraky amin'ereo tany fihinanam-bilony, Jatira, Estemoa miaraky amin'ereo tany fihinanam-bilony, 58Hilena miaraky amin'ereo tagny fihinanam-bilony, dra Debira miaraky amin'ereo tany fihinanam-bilony.59Nomen'ereo ho an'ereo taranak'i Arona:Asana miaraky amin'ereo tany fihinananm-bilony co Beti-semesy miaraky amin'ereo tany fihinanam-bilony;60dra laha tamy fokon'i Benjamina gny nagnomeza anazy reo an'i Geba miaraky amin'ereo tagny fihinanam-bilony , Alemeta miaraky amin'ereo tagny fihinanam-bilony, dra Anotata miaraky amin'ereo tany fihinanam-bilony . Reo tanan'ereo aby dra miisa teo ambiny folo.61Ho an'ereo taranak'i Kehata sisany dra nomen'ereo anazy reo tamy filokana reo tana folo avy amy asasaky gny fokon'i Manase.62Ho an'ereo taranak'i Gersona amin'ereo fokony isan-karazany dra nomeny ho anazy gny tana telo ambi folo laha tamin'ereo fokon'Isakara, Asera, Naftaly, dra gny asasaky gny fokon'i Manase Basana.63Ho an'ereo taranak'i Merary dra nomen'ereo tana ro amby folo, araky reo fokony, laha tamy fokon'i Robena , Gada, dra Zebolona.64Dra nomen'ereo olon'Israely ho an'ereo Levita reo tana reo miaraky amin'ereo tany fihinanam-bilony.65Notendren'ereo tamy filoka reo renovohisy voazaka teo aloha laha tamy fokon'i Joda, Simeona , dra Benjamina.66Ho an'ereo fokon'i Kehatita gnilany dra nomen'ereo tana laha tamy fokon'i Efraima.67Nomen'ereo anazy reo:Sekema (Tananigny fialofa )miaraky amin'ereo tany fihinanam-bilony tagny amy tany havoan'i Efraima, Gazera miaraky amin'ereo tany fihinanam-bilony, 68Jokmeama miaraky amin'ereo tany fihinanam-bilony, Beti-horona miaraky amin'ereo tany fihinanam-bilony, 69Aialona miaraky amin'ereo tany fihinanam-bilony dra Gata-rimona miaraky amin'ereo tany fihinanam-bilony.70Nomen'ereo tapany gny fokon'i Manase an'ereo Kehatita:Amara miaraky amin'ereo tany fihinanam-bilony vo Bileama miaraky amin'ereo tany fihinanam-bilony. Lasa fanagnan'ereo fokon'i Kehatita sisa reo.71Ho an'ereo taranak'i Gersona sy ao agnatiny asasaky gny fokion'i Manase, nomen'ereo :Golana agny Basana miaraky amin'ereo tany fihinanam-bilony vo Astarta miaraky amin'ereo tany fihinanam-bilony.72Nomen'i fokon'Isakara an'ereo taranak'i Gersona:Kadesy miaraky amin'ereo tany fihinanam-bilony, Daberata miaraky amin'ereo tany fihinanam-bilony, 73Ramota miaraky amin'ereo tany fihinanam-bilony, dra Anema miaraky amin'ereo tany fihinanam-bilony.74Nirambesin'Isakara laha tamin'i fokon'i Asera:Masala miaraky amin'ereo tany fihinanam-bilony, Abdona miaraky amin'ereo tany fihinanam-bilony, 75Hokoka miaraky amin'ereo tany fihinanam-bilony, dra Rehoba miaraky amin'ereo tany fihinananm-bilony. 76Nirambesin'ereo laha tamy fokon'i Naftaly:Kadesy agny Galilia miaraky amin'ereo tany fihinanam-bilony, Hamona miaraka amin'ereo tany fihinanam-bilony, dra Kiritaimja miaraky amin'ereo tany fihinanam-bilony.77Ho anigny sisa amireo Levita, reo taranak'i Merary, dra namenigny fokony Zebolona: Rimono miaraky amireo tany fihinanam-bilony vo Tabara miaraky amireo tany fihinanam-bilony. 78-79Dra name honereo avo koa, gny teo apitan'i Jordana agny Jeriko, teo asignananigny ony: Bazera tagny agnefisy miaraky amireo tany fihinanam-bilony, Jaza miaraky amireo tany fihinanam-bilony, Mefata miaraky amireo tany fihinanam-bilony. Reo gny name avy amigny fokon'i Robena.80Nirambesin'ereo Levita laha tamy fokon'i Gada:Ramata agny Gileada miaraky amin'ereo tagny fihinanam-bilony, Mahanaima miaraky amin'ereo tagny fihinanam-bilony, 81Hesbona miaraky amin'ereo tagny fihinanam-bilony, dra Jazera miaraky amin'ereo tagny fihinanam-bilony.
Chapter 7

1Reo zanadahin'i Jisakara efasy dra i Tola, Poa, Jasoba dra Simrona.2Reo zanadahin'i Tola dra Ozy , Refaia, Jeriela, Jamay, Jibsama dra i Samoela. Izy reo gny lohany ao amy fianakaviany ran'ereo, laha tamy taranak'i Tola dra isy reo dra isan'ereo mpialy lahery tamy andron'ereo. 22,600 gny isan'ereo tamy andron'i Davida.3Gny zanak'i Ozy dra i Jizrahia. Reo zandahin'i Mikaela, Obadia, Joela, dra Jisia, iay dimy reo dra mpitariky foko aby.4Andian-tafiky enina arivo vo teolo aly hiatriky aly gny niaraky tamin'ereo, araky gny lisita gny fianakaviany razamben'ereo , satria izy reo dra nana valy aman-janaky maro be. 5Reo rahalahiny, laha tamy fokon'i Jisakara, dra nana lelahy mpialy fito arivo vo valo aly, araky gny lisita gny fianakaviany razamben'ereo.6Reo zanak'i Benjamina telo lahy dra i Bela, Bakera, dra Jediaela.7Reo zanak'i Bela dimy lahy dra i Ezbona, Ozy, Oziela, Jerimota, dra Iry.Izy reo dra miaramila vo fiandohan'ereo foko.Niisa 22, 034 reo lelahy mpialy, araky gny lista gny fianakaviany razamben'ereo.8Reo zanadahin'i Bakera dra i Zemira, Joasy, Eliezera, Elioenay, Omry, Jerimota, Abia, Anatota, dra Alameta.Reo aby reo dra zanadahyny.9Gny lisita gny fikin'ereo dra miisa 20, 200 fianakavia mpitariky vo lelahy mpialy.10Gny zanadahin'i Jediaela dra i Bilanna.Reo zanadahin'i Bilana dra i Jeosy, Benjamina, Ehoda, Kenana, Zetana, Tarsisy dra i Ahizahara.11Reo aby reo gny zanadahin'i Jediaela.Reo voasorasy ao amy lisita gny fokon'ereo dra nisy mpitariky vo lelahy mpialy 17, 200 lany ho amy raharaha miaramila .12(Gny zanadahin'Iry dra i Sopima vo Hopima, dra Hosima dra zanadahin'i Ahera.)13Gny zanadahin'i Naftaly dra Jaziela, Gony, Jezera, dra Saloma. Reo Zafikelin'i Bila.14Nana zanadahy tinoka hoe Asriela i Manase, zay nateraky Syriana vadisindranony.Izy koa dra niteraky an'i Matira, ran'i Gileada.15Nangalaky valy laha tamin'i Hopima vo Sopima i Makira.Imaka gny agnarany rapela.Taranak'i Manase hafa koa i Zelofada, zay nana-zanaky ampela toka.16Imaka valin'i Makira, dra niteraky zanadahy dra nitokavy ho PAresy. Gny agnarany rahalahiny dra Saresy, dra reo zanadahiny dra i Olama vo Rakema.17Gny zanadahin'i Olama dra Bedana.Reo gny taranak'i Gileada zanadahin'i Makira zandahin'i Manase.18Hamoleketa anabavin'i Gileada dra niteraky an'Isehoda, Abiezera, dra Mahala.19Reo zanadahin'i Semida dra Ahiana, Sekema, Liky dra Aniama.20Reo taranak'i Efraima dra tahoky magnaraky tahoky:Gny zanadahin'i Efraima dra i Sotela.Gny zanadahin'i Sotela dra Bareda.Gny zanadahin'i Bareda dra i Tahata.21Gny zanadahin'i Tahata dra Elada.Gny zanadahin'i Elada dra Tahata.Gny zanadahin'i Tahata dra Zabada.Gny zanadahin'i Zabada dra Sotela.(Ezera vo Eleda dra novonon'ereo lelahin'i Gata, tompon-tany, fa gny nandeha nangalasy gny biby fitezany izy reo.22Nandala ho anazy reo nandrisy gny andro maro i Efraima ran'ereo, dra avy nampahery anazy reo rahalahiny.23Nandry niaraky tamy valiny izy: Nibevoka izy dra niteraky zaza lahy.Nitokavan'i Efraima ho Beria izy, satria nisy fahoria avy teo amy fianakaviany.24Gny zakapelany dra i Sera, zay nagnoru an'i Beti-horona ambany vo agnabony dra Ozena-sera.)25Gny zanadahiny dra i Refa.Gny zanadahin'i Refa dra i Resefa. Gny zanadahin'i Rasefa dra i Tela.Gny zanadahin'i Tela i Tahana.26Gny zanadahin'i Tahana dra i Ladana. Gny zanadahin'i Ladana dra i Amihoda.Gny zanadahin'i Ahimoda dra i Elisama.27Gny zanadahin'i Elisama dra i Nona. Gny zanadahin'i Nona dra i Josoa.28Reo fanagna vo fonenan'ereo dra Betela vo reo zana-bohiny magnodidy anazy.Izy reo dra nihitasy hatragny asignanan'i Narana vo tagny andrefan'i Gazera vo reo zana-bohony, dra tagny Sekema vo reo zana-bohony hatragny Geza vo reo zana-bohiny.29Tegny amy sisin-tanin'i Manase gny nisy an'i beti-sana vo reo zana-bohiny, Tanaka vo gny zana-bohiny, Megido vo gny zana-bohiny, dra Dora vo reo zana-bohiny.Tegny amin'ereo tana- lahibe reo gny nipetraky reo taranak'i Josefa zanadahin'Israely.30Gny zanadahin'i Asera dra Jimna, Jisva, Jisvy, dra Beria. Sera gny anabavin'ereo.31Gny zanadahin'i Beria dra i Hebera vo Malkiela, zay ran'i Birzavita.32Reo zanadahin'i Hebera dra i Jafleta, Somera, dra Hotama.Soha gny anabavin'ereo.33Reo zanadahin'i Jafleta dra i Pasaka, Bimala, dra Asvata. Reo gny zanak'i Jafleta.34Somera, rahalahin'i Jafleta, dra nana anitahoky zanadahy tahoky :Rohaga, Hoba dra Arama.35Helema,rahalahin'i Semera, dra nana anitahoky zanadahy tahoky:Zofa, Jimna, Selesy, dra Amala.36Reo zanadahin'i Zofa dra i Soha, Harnefera, Soala, Bery, Jimra,37Bazera, Hoda, Sama, Silsa, Jitrana,dra Bera.38Reo zanadahin'i Jatera dra Jefone, Pispa, dra Ara.39Reo zanadahin'i Ola dra Ara, Haniela, dra Rizia.40Reo aby reo gny taranak'i Asera. Izy reo gny razambeny fokon'ereo , mpitariky gny fianakavian'ereo, lelahy manan-daza, lelahy mpialy, dra lahibe teo amin'ereo mpitariky. Enina arivo vo ro aly gny isan'ereo lelahy zay lany hanao miaramila, araky gny isa agnatiny lisitan'ereo.
Chapter 8

1Reo zanadahiny dimy lahin'i Benjamina dra bela lahimatoany, Asbela, Ahara, 2Noha, dra Raha.3Reo zanadahin'i Bela dra Adara, Gera, Abihoda, 4Abisoa, Namana, Ahoa,5Gera, Sefofona, dra Horama6Tahoky gny taranak'i Ehoda zay lohany fianakavia gny mponin'i Geba, zay voatery nifindra tagny Manahata:7Namana , Ahia, dra Gera, zay nitariky anazy reo tamy fifindran'ereo. Izy gny ran'i Oza vo Ahihoda.8Saharaima dra niteraky tagny an-tanin'i Moaba, tafarany nisarahany am-panambaliany tamin'i Hosima vo Bara valiny.9Tamin'i Hodesy valiny, gny niterahan'i Saharaima an'i Jobaba, Ziba,Mesa, Malkama.10Jeoza, Sakia, dra Mirma.Reo gny zanadahiny, mpitariky tao amy gny fianakaviany.11Fa niteraky an'i Abitoba vo Elpala tamin'i Hosima avo koa izy.12Gny zanadahin'i Elpala dra Ebera, Misama, vo samera (zay nagnory an'i Ono vo Loda dra gny zana-bohiny magnodidy)13Teo avo koa i Beria vo Sema.Lohan'ereo fianakavia nipetraky tagny Aialona, zay nandroaky gny mponin'i Gata izy reo.14Tahoky aby gny zanadahin'i Beria:Ahio, Sasaka, Jeremota,15Zebadia, Arada, Adera,16Mikaela , Jispa, dra Joha.17Tahoky aby gny zanadahin'i Elplala:Zebadia, Mesoloma, Hizky, Hebera,18Jismeray, Jizlia,dra Jobaba.19Tahoky aby gny zanadahin'i Simey:Jakima, Zikry, Zabdy,20Elienay, Ziletahy, Eliala, 21Adaia, Beraia, dra Simrata.22Tahoky aby gny zanadahin'i Sasaka:Jispana, Hebera, Eliala,23Abdona, Zikry, Hanana,24Hanania, Elama, Antotia, 25Jifdia, dra Penoela.26Tahoky gny zanadahin'i Jerohama:Samseray, Seharia, Atalia,27Jaresia, Elia, dra Zitry.28Reo gny lohany fianakaviany vo mpitariky ze nipetraky tao Jerosalema.29Gny razamben'i Gibeona, dra i Jehiela, zay nitokavy ho Imaka gny valiny , dra nipetraky tao Gibeona.30Gny lahimatoany dra i Abdona, narahan'i Zora, Kisy, Bala, Nadaba, 31Gedora, Ahio, dra Zakera.32Zanadahin'i Jehiela hafa i Miklota, ze niteraky an'i Simea.Nipetraky tegny mariny havany tegny Jerosalema avo koa izy reo.33Nera dra ran'i Kisy. Kisy dra ran'i Saoly. Saoly dra ran'i Jonatana, Malkisoa, Abinadaba, dra Esbala.34Meribala dra zanadahin'i Jonatana. Meribala dra ran'i Mika.35Gny zanadahin'i Mika dra i Pitona, Maleka, Tarea, dra Ahaza.36Ahaza dra ran'i Joada.Joada dra ran'i alemeta, Azmaveta, dra Zimry.Zimry dra ran'i Moza.37Moza dra ran'i Binea.Binea dra ran'i Rafa. Rafa dra ran;i Elasa. Elasa dra ran'i Azela.38Nana-zanaky enina mirahalahy i Azela:Azrikama, Bokero, Isimaela, Searia, Obadia, dra Hanana.39Zanak'i Azela avo koa izy reo. Gny zanadahin;i Eseka, rahalahiny , dra i Olama lahimatoany, Jeosy lahiaivo, dra Elifeleta fahatelo. 40Lalahy mpialy vo mpanoraky sipiky reo zanadahin'i Olama.Nana zanaky vo zafy maro izy reo, 150 gny fitambarany.Reo aby reo dra agnisany taranak'i Benjamina.
Chapter 9

1Ka dra voasorasy tao amin'ereo tetiara gny Israely aby, Dra voasorasy tao amy bokin'ereo mpazakan'Israely izy reo . Raha gny amin'i Joda, dra nalefa sesitany tagny Babylona izy reo noho gny fahotany.2Gny mony volohany tagny amy tanan'ereo dra gny sasany tamin'ereo Israelita, reo mpisoro, reo Levita, dra reo mpanompony tempony. 3GNy sasany tamin'ereo taranak'i Joda, Benjamina, Efraima, dra Manase dra nitoesy tagny Jerosalema.4Reo mpagnorim-ponena dra nahita an'i Otahy zanadahin'i Amihida zanadahin'i Omry zanadahin'Imry zandahin'i Bany, raiky amin'ereo taranak'i Fareza zanadahin'i Joda.5Teo amin'ereo zanadahiny.6Teo amin'ereo taranak'i Zera dra i Jeoela. Gny taranak'ereo dra niisa 690.7Teo amin'ereo taranak'i Benjamina dra i Salo zanadahin'i Mesolama zanadahin'i Hodavia zanadahin'i Hasenoa.8Teo avo koa Jibnia zanadahin'i Jerohama;Elaha zanadahin'i Ozy zanadahin'i Mikry, dra Mesolama zanadahin'i Sefatia zanadahin'i Regoela zanadahin'i Jibnia.9Reo havan'ereo zay voasorasy tao amy lisita gny tetihara dra niisa 956. Reo lelahy aby reo gny mpitariky tamy fokony razamben'ereo.10Reo mpisoro dra i Jedaia, Joiariba, dra Jatina.11Teo avo koa i Azaria zanadahin'i Hilkia zanadahin'i Mesolama zanadahin'i Zadoka zanadahin'i Meraiota zanadahin'i Ahitoba, gny raiky ze misaha gny tragnon'Agnahary.12Teo i Adaia zanadahin'i Jerohama zanadahin'i Pasora zanadahin'i Malkia. Teo avo koa i Masay zanadahin'i Adieloa zanadahin'i Jazera zanadahin'i Mesolama zanadahin'i Mesilemita zanadahin'Imera.13Reo havan'ereo ,zay mpitariky tao amy fokon-drazamben'ereo dra niisa 1, 760. Tena lelahy nahay tamy asany tragnon'Agnahary izy reo.14Teo amin'ireo Levita, dra nisy an'i Semaia zanaky lahin'i Asoba zanaky lahin'i Azrikama zanaky lahin'i Asabia, teo amin'ireo taranak'i Merary. 15Dra teo avo koa i Bakbakara, Haresy, Galala, dra Matania zanaky lahin'i Mika zanaky lahin'i Zikry zanaky lahin'iAsafa. 16Teo avo koa Obadia zanaky lahin'i Semaia zanaky lahin'i Galala zanaky lahin'i Jedotona; dra Berekia zanaky lahin'i Asa zanaky lahin'i Elkana, izay nitoboky tagny amigny vohis'ireo Netotatita.17Reo mpiamby vatrangara dra Saloma, akoba, Talmona, Ahimana, dra reo taranakin'ereo.Saloma gny mpitariky anazy reo.18Tagny aloha dra nisanga niamby gny vabahadiny mpazaka tagny amy sisiny asignana ho agny tobin'ereo taranak'i Levy izy reo.19Saloma zanadahin'i Kore zanadahin'i Kora, vo reo havany avy amy ankohonan-drany, reo Koraita, gny nisaha gny amy asa fanompoa, niamby gny vatrangarangy tragno lay ozy rer, araky gny fa niambenan'ereo razamben'ereo gny tbin'i Yaveh , dra fa niamby gny filira avo koa izy reo.20Finehasa zanadahin'i Eleazara dra fa nisaha anazy reo taloha, dra nomba anazy Yaveh.21Zakaria zanadahin'i Meselimia dra mpiamby gny filitra amy tempoly, gny ''tragno lay fihaogna.''22Niisa 212 reo aby ze voafily ho mpiamby gny fefy eo amy filira. Gny agnaran'ereo dra voahaza tao amy dorin'agnaran'ereo vahoaky tao an-tanan'ereo. Davida vo Samoela mpahita dra fa nametraky anazy reo tamy fitokisa.23Ka izy reo vo gny zanakin'ereo gny niamby reo fefy gny tragnon'i Yaveh, gny tabernakely.24Reo mpiamby fefy dra napetraky tagny amin'ereo sisiny efasy aby, magnany asignana ,. andrefa, avarasym dra asimo.25Reio rahalahin'ereo, zay nitoesy tagny amy tanana'ereo, dra nifandimby tao, isan-kafitoa.26Fa reo mpitariky efasy gny mpiamby gny fefy, ze Levita, dra nitendreny ba hiamby reo efisy vo reo tragno fagnazam-bokasy tao an-tragnon'Agnahary. 27Nandany gny hariva teo amy toera magnodidy gny tragnon'Agnahary aby izy reo, satria tompon'andraikisy amy fiambena anizay. Dra hanokaky anizay isa-maray izy reo.28Gnilany tamin'ereo dra nisaha gny fitovany tempoly;nagnisaky reo fanaky izy reo fa gny nampiliriny vo naboany reo.29Maro tamin'ereo avo kioa gny voatendry hikarakara reo raha masy , gny fitova , vo reo vasy, agnisan'izay gny koba sao lisa, gny divay, gny dililo, vo litin-kazo mamerovero, dra reo raha-magnisy.30Gnilany tamin'ereo zanadahin'i mpisoro dra naharo reo raha-magnisy.31Matatia, raiky tamin'ereo Levita, zay lahimatoan'i Saloma Koraita, gny nisaha gny fikarakara gny mofo ho amin'ereo fagnatisy.32Gnilany tamy rahalahin'ereo, taranaky gny Kehatita, gny nisaha gny mofony fanatreha, ba hikarakara anizay isakiny Sabata.33Reo mpihira vo reo mpitariky gny fianakaviany Levita dra nitoesy tao amy efitragno masy fa gny sy miasa izy reo , satria sy maisy nagnatateraky reo raharaha nomeny andro vo hariva.34Tahoky aby reo mpitariky gny fianakavia teo amin'ereo Levita, zay voaiaky tao amy tahirin-tetiaran'ereo.Nitoesy tagny Jerosalema izy reo.35Gny razambeny agny Gibeona, Jeiely, zay atao ho Imaka gny agnaram-baliny, dra nitoesy tagny Gibeona.36Abdona gny lahimatoany, laha teo reo zanadahiny Zora, Kisy, Bala, Nera, Nadaba,37Gedora, Ahio, Zakaria,dra Miklota.38Miklota gny ran'i Simeama.Nitoby tagny marinin'ereo rahalahiny tagny Jerosalema avo koa izy reo.39Nera gny ran'i Kisy. Kisy gny ran'i Saoly. Saoly gny ran'i Jonatana, Malkisoa, Abinadaba, dra Esbala.40Meribala gny zanadahin'i Jonatana.Dra Meribala gny ran'i Mika.41Reo zanadahin'i Mika dra Pitona, Maleka, Terea, dra Ahaza.42Ahaza gny ran'i Jara. Jara gny ran'i Alemeta, Azmveta, dra Zimry.Zimry gny ran'i Moza.43Moza gny ran'i Binea.Binea gny ran'i Refaia. Refaia gny ran'i Elasa. Elasa gny ran'i Azela.44Reo zanadahiny anin'i Azela dra Azrikama, Bokero, Isimaela, Searia, Obadia, dra Hanana.Reo gny zanadahin'i Azela.
Chapter 10

1Dra reo Filistina nialy tamin'Israely. Nipotaky teo anatrehan'i Filistina gny lelahin'Israely aby dra niampasy maty tegny an-tendrombohisy Gilboa. 2Nagnitriky mariny an'i Saoly vo gny zanadahiny reo Felistiana. Nivonon'ereo Filisitina i Jonatana, Abinadaba, vo Malkisoa, zanadahiny.3Navesasy tamin'i Saoly gny aly, dra nahatrasy anazy reo mpadefa sipiky. Tao agnatiny fatahora fatrasy izy noho reo mpandefa sipiky.4Dra hoy Saoly tamy mpinday gny fialia ho:''Aboaho gny Lefonao ka trobao amin'izay zaho. Raha sy zay dra ho avy hagnararaosy anahy reo sy voatapaky reo.''Nefa sy nagneky gny mpinday gny filiany, satria natahosy fatrasy izy.Ka dra nalan'i Saoly gny lefony dra lavo teo amin'izay izy.5Fa gny hitany mpinday gny fialiany fa maty Saoly, dra lavo tamy lefony manahaky anizay koa izy ka maty.6Dra maty Saoly, vo reo zanadahiny telo lahy, ka dra niara-maty reo ankohonany aby.7Fa gny hitany lelahin'Israely aby tegny an-dohasaha fa nandososy izy reo, dra maty Saoly vo reo zanadahiny, dra niriosy gny tanany izy reo dra nilomay.Dra avy reo Filistina dra mony teo amin'ereo.8Dra gny maray, fa gny nangalaky gny maty reo Filistina, dra nahits an'i Saoly vo reo zanadahiny lavo teo an-tendrombohisy Gilboa.9Nitafohin'ereo izy dra nandesiny gny lohany vo gny fialiany.Nagniraky mpinday hafasy nanera an'i Filistina ba hinday reo vaovao teo amin'ereo sampy vo teo amy vahoaky izy reo. 10Napetrakin'ereo tao an-tempoliny Zagnaharin'ereo gny fialiany, dra nifahen'ereo tao an-tempolin'i Dagona gny lohany.11Fa gny nahare anizay aby zay nataon'ereo Filistiana tamin'i Saoly gny vahoakin'i Jabesa-gileada aby, 12dra nandeha gny lelahy mpialy aby dra nangalaky gny fatin'i Saoly vo gny an'ereo zanadahiny, dra ninday reo tagny amin'i Jabesy.Nalevin'ereo tao ambaningny hazo tarebinta gny tolan'ereo ka nifaly hany hafitoa izy reo.13Dra maty Saoly satria sy nahatoky an'i Yaveh izy. Sy nankatoa reo didin'i Yaveh izy,fa nangalaky torohevisy tamy olo zay niresaky tamy maty.14Sy nialy torolala tamin'i Yaveh izy, ka dra nivonon'i Yaveh dra nafindrany tamin'i Davida zanadahin'i Jese gny fazakany.
Chapter 11

1Dra avy tagny amin'i Davida tao Hebreo gny Israely aby dra nizaka ho:''Ingo , nofonao vo tolanao zahay. 2Vo sy ela ra, raha nazaka teo aminay Saoly, dra ianao gny nitariky gny tafily Israelita. Yaveh Zagnaharinao nizaka taminao ho:'Ho mpialy an'Israely vahoakiko ianao, dra ianao gny ho avy mpanapaky eo amin'Israely vahoakiko.'''3Noho zay dra avy tagny amy mpazakan'Israely tao Hebreo reo loholon'Israely aby, dra Davida nanao faneke tamin'ereo teo anoloan'i Yaveh. Nanososy an'i Davida ho mpazakan'Israely izy reo.4Nandeha tagny Jerosalema i Davida vo gny Israely aby (zay dra, Jebosa).Dra reo Jebosita, mpony tao amy tany , gny teo.5Hoy reo mpony tao Jebosa tamin'i Davida ho:''Sy ho avy eto ianao.''Fa Davida nangalaky gny fiarova fatrasin'i Ziona, zay, gny tanan'i Davida.6Hoy Davida ho:''Na izy na iza manafiky reo Jebosita volohany dra ho avy mpifehy.''Koa Joaba zanadahin'i Zeroia gny nanafiky volohany, dra natao ho mpifehy izy.7Dra nanomboky mony tao amy fiarova fatrasy i Davida.Ka dra nitokavin'ereo ho Tanan'i Davida zay.8Nagnamafy gny tana magnodidy izy nanomboky tagny Milo hatragny amy rindry magnodidy. Namafisin'i Joaba gny sisa ambiny tamy tana.9Avy lahibe dra lahibe i Davida satria nomba anazy Yaveh tompony maro.10Tahoky aby reo mpitariky nanagnan'i Davida, zay nampiseho gny vatan'ereo ho natazaky niaraky taminazy reo amy fazakany, niaraky tamin'ereo Israely aby, ba hanao anazy ho mpazaka , nankato gny zakan'i Yaveh mahakasiky an'Israely.11Itio gny lisitan'ereo miaramila sangan'i Davida:Jasobeama, gny zanadahin'i Hakmony, gny mpifehy gny telo-polo. Namono telo-zato lahy tamy lefony tagnatin'aly raiky izy.12Gny nagnaraky anazy dra i Eleazara zanadahin'i Dodo, gny Ahohita, zay raiky tamin'ereo telo lahy mahery.13Niaraky tamin'i Davida izy tao Efesa-damina, dra tany reo Filistiana gny nitambasy ho amy aly, zay nisy gny tanim-bary hordea vo reo tafiky nilomay laha tagny Filistina.14Nisanga teo agnevony tanimboly izy reo. Niaro anizay izy reo dra nandringa reo Filistiana dra Yaveh nagnavosy anazy reo tamy fandrese lahibe.15Laha teo telo tamin'ereo telo=polo mpitariky gny nizoso ho agny amy vatolampy tagny amin'i Davida, tao amy zohon'i Adolama. Gny tafikin'ereo Filistiana dra nitoby tao amu Lohasahan'i Refaita. 16Tamin'izay lera zay Davida dra tao amy fiarova mafiny, zohy raiky, raha nitoby tao Betlehema reo Filistina. 17Nagniry rano Davida ka nanao ho:''Raha ba misy olo magnome rano anahy ho nomiko laha tao amy lava-drano ao Betlehema, gny lava-drano zay mariny fefy!''18Koa dra namakivaky teo amy tafikin'ereo Filistina reo lelahy mahery telo dra nanovo rano laha tao amy lava-dranon'i Betlehema , gny lava-drano teo amy fefy. Dra nangalaky gny rano izy reo ka ninday anizay ho agny amin'i Davida, saiky nanda gny hino anizay izy.Fa koa, nararany ho an'i Yaveh zay. 19Dra hoy izy ho:''Sagnatria aminahy gny hino anizay, ry Yaveh.Tokony hino gny lion'ereo lelahy zay nanao vy levo gny ain'ereose zaho?''Satria nanao vy levo gny ainy izy reo, nanda gny hino anizay izy.Zay gny raha natoan'ereo lelahy mahery telo.20Abisay rahalahin'i Joaba, gny kapiteny teo amin'izay telo zay.Dra nampiasa gny lefony draiky mandeha izy teo amy olo telo-zato dra namono anazy reo. Nalaza niaraky tamin'ereo Telo izy.21Tamin'ereo Telo, dra izy gny nomrm-boninahisy abo ro heny dra lasa kapiten'ereo . Na dra sy agnisan'ereo avo izy.22Benaia zanadahin'i Joiada dra lelahy natazaky zay nanao asa lahibe. Izy gny namono reo ro lahy zanak'i Ariela laha tgny Moaba.23Nilisy tao amy lavaky avo koa izy dra namono liona raha nilasaky gny oram-pagnala. Namono Egyptiana raiky avo izy, lelahy dimy hakiho gny halavany. Gny Rgyptiana nana lefo manahaky gny andriny mpagneno, nefa tehy avo gny nandesiny teo an-tanany Egyptiana izy dra namono anazy tamy lefony avo.24Benaia zanadahin'i Joiada gny nanao reo asa lahibe reo, dra nalaza manahaky reo telo lahy mahery izy.25Tamy ankamaroany dra izy gny be voninahisy mihoasy noho reo miaramila telo-polo. Nefa sy nanam-boninahisy firy izy mihoasy reo miaramila telo lahy tena sangany. Nefa napetrak'i Davida hiandraikisy gny fiambena anazy manoka izy.26Reo lelahy mahery dra Asahela rahalahin'i Joaba, Elanana zanak'i Dodo laha tagny Betlehema,27Samota gny Harorita , Haleza gny Pelonita, 28Ira zanadahin'Ikesy gny Tekoita, Abiezera gny Anatotita,29Sibekay gny Hosatita, Ely gny Ahohita,30Maharay gny Netofatita, Heleda zanadahin'i Bana gny Netofatita, 31Itahy zanadahin'i Ribay laha tao Gibeany taranak'i Benjamina, Benaia gny Piratnita, 32Horay agny amy lohasahan-driak'i Gasy, Abiela gny Arbatita, 33Azmaveta gny Baharomita, Eliaba gny Salbonita,34Reo zanadahin'i Hasema gny Gizonita, Jonatana zanadahin'i Sagr gny Hararita, 35Ahiama zanadahin'i Sakara gny Hararita , Elifala zanadahin'i Ora,36Hefera gny Mekeratita, Ahia gny Pelonita, 37Hezro gny Karmelita, Naray zanadahin'i Ezbay,38Joela rahalahin'i Natana, Mibara zanadahin'i Hagry,39Zeleta gny Amonita, Naharay gny Berotita (gny mpinday gny fiarovan'i Joaba zanadahin'i Zeroia), 40Ira gny Jitrita, Gareba gny Jitrita, 41Oria gny Hetita, Zabada zanadahin'i Ahelay,42Adina zanadahin'i Siza gny Robenita (lahibeny Robenita)dra telopolo lahy nmiaraky taminazy, 43Hanana zanadahin'iMaka, vo Josafata gny Mitnita,44Ozia gny Astartita , Sama vo Jeiela zanadahin'i Hotama gny Aroerita,45Jediaela zanadahin'i Simry, JOha(gny Tizita rahalahiny ), 46Eliala gny Mahavita, Jeribay vo Josavia zanadahin'i Elnama, Jitma gny Moabita, 47Eliala, Obeda, dra Jasiela gny Mezobaita.
Chapter 12

1Tahoky aby reo lelahy ze avy tagny amin'i davida tao Ziklaga, raha bo voaroaky tamy fanatrehan'i saoly zanadahin'i Kisy izy.Isan'ereo miaramila nereo, mpagnampy anazy agn'aly.2Nirongo sipiky nereo dra afaky nampiasa gny tagnany ankavana vo ankavia tamy asamo-taly vo tamy fitifira amy sipiky.Benjamita nereo, mpiray foko tamin'i Saoly.3Ahiezera gny lahibe, laha teo Joasy,samy zanadahin'i Sema gny Gibeatita nereo. Nahita an'i Jeziela vo Peleta, zanadahin'i Azmaveta. Nahita avo koa an'i Beraka, Jeho gny Anototita, 4Jismaia gny Gibeonita, agnisan'ereo miaramila tepolo (dra mpifehy reo telopol);Jozababa gny Gaderatita,5Elozay, Jerimota, Bealia, Semaria, Sefatia gny Harofita,6reo Koraita Elkana, Jisia, Azarela, Joezera, Jasobeama, dra 7Joela vo Zebadia, zanadahin'i Jehoroma laha tagny Gedora.8Nisy Gadita gnilany nagnato an'i Davida tao amy fiarova fatrasy tagny an'efisy. Lelahy mpialy nereo, lelahy voahofa ho amy aly, zay afaky mivimby ampinga vo lefo;gny tavan'ereo dra masiaky manahaky gny tarehiny liona.Malaky fandeha manahaky gny gazela egny antendrombohisy nereo.9Nisy an'i Ezera gny mpitariky, Obadia gny faharo, eliaba gny Fahatelo, 10Mismana gny fahefasy, Jeremia gny Fahadimy, 11Atahy gny faheny, Eliala gny fahafito, 12Johanana gny fahavalo, Elizabada gny fahasivy,13Jeremia gny fahafolo, Makbanay gny fahiraiky amby folo.14Reo zanadahin'i Gada reo gny mpitari-tafiky. Gny ambany indrindra nitariky an-jatony, dra gny angnabony be nitariky agn'arivony. 15Nisaky an'i Jordana ereo tamy vola volohany, fa gny nandropasy gny morony zay, ka nandroaky gny raha-manan'ay aby tamin'ereo lohasaha, na gny magnany asignana na gny magnany andrefa.16Gnilany tamin'ereo lelahin'i Benjamina vo Joda dra avy tao amy fiarova tao amin'i Davida. 17Niboaky ba hitsena anazy reo Davida dra nizaka tamin'ereo ho:''Raha avy amim-pilamina atiho aminahy ba hagnampy anahy iandrareo, dra afaky magnato anahy.Fa raha avy ba hamaliky anahy amy fahavaloko, dra ao se gny Zagnahary gny razambesika hagnety ka hamaly andrareo. satria sy nanao rasy zaho.'''18Laha teo gny Fagnahy avy tao amin'i Amasay, zay mpitariky gny telopolo. Hoy Amasay ho:''zahay dra anao, ry Davida. Zahay dra miandany aminao, ry zanadahin'i Jese. Fiadana, fiadana se ho amin'izay magnampy anao. Fiadana se ho amin'ereo mpagnampinao, satria gny Zagnaharinao dra magnampy anao.''Dra nandramby anazy reo Davida dra nanao anazy reo ho mpifehy gny lelahiny.19Gnilany laha tamin'i Manase avo koa dra niala ba hagnato an'i Davida raha niaraky tamin'ereo Filistina ba hialy amin'i saoly izy. Nefa sy nagnampy reo Filistina ereo, satria nifampidiniky reo tompon'i Filistina ka nampandeha an'i Davida. Hoy ereo ho:''Hiala ho agny amin'i Saoly tompony izy ka hampidi-doza gny fiagnasika.''20Fa gny angnany Ziklaga izy, gny lelahin'i Manase zay nagnato anazy dra i Adna, Jozabada, Jediaela, Mikaela, Jozabada, Eliho, Ziletahy, Kapiteny arivon'i Manase.21Nagnampy an'i Davida nialy tamin'ereo an-tokony mpagnety anereo, satria lelahy mpialy ereo. Tatiho afara dra lasa mpifehy teo amy tafiky ereo.22Isan'andro, dra avy tagny amin'i Davida reo lelahy ba hagnampy anazy, mandra-pisiany tafiky lahibe, manahaky gny tafik'Agnahary.23Itiho gny tahirin-tataran'ereo miaramila nitam-pialia ho amy aly , zay avy tagny amin'i Davida tao Hebrona, Ba hagnody gny fazakan'i Saoly ho anazy, zay nagnatateraky gny zakan'i Yaveh.24Tamin'i Joda dra 6. 800 reo mpita ampinga vo lefo gny voaoma hialy. 25Nisy lelahy mpialy 7. 100 laha tamin'ereo Simeonita.26Nisy lelahy mpialy 4. 600 laha tamin'ereo Levita.27Joiada gny mpitariky gny taranak'i Arona, dra 3. 700 gny niaraky taminazy.28Mpitariky ro amby ro-polo laha tamy fianakavian-drany gny niaraky tamin'i Zadoka, tovolahy, mahery, vo lelahy be herim-po.29Laha tamin'i Benjamina, fokon'i Saoly, dra nizy telo arivo.Gny ankamaroan'ereo dra bo nizano ho mpomba an'i Saoly hatramin'izao fotoa zao.30Nisy lelahy mpialy 20. 800 laha tamin'ereo Efraimita, lelahy nalaza teo amy fianakaviany razamben'ereo.31Laha tamy asasa-pokon'i Manase dra nisy lelahy malaza valo arivo vo ray aly zay avy ba hanao an'i Davida ho mpatazaky.32Laha tamin'Isakara, dra nisy lelahy mpitariky ro-zato zay nana fahazavasay tamin'izay fotoa zay dra nahalala anizay sy maisy ataon'Israely.Reo havany aby dra teo ambany fifehezan'ereo.33Nisy lelahy mpialy dimy aly laha tamin'i Zebolona, nomany ho amin'aly, niaraky tamy fitovam-pialia aby, dra vono gny hognome sy fivaliha azo antoko.34Nisy manamboninahisy arivo laha tamin'i Naftaly, dra lelahy mpita ampinga vo lefo fito arivo vo telo aly niaraky tamin'ereo.35Laha tamin'ereo Danita dra nisy lelahy 28. 600 voahoma ho amin'aly.36Nisy lelahy efasy aly voahoma ho amin'aly laha tamin'i Asera. 37Laha tamy an-dafin'i Jordana, laha tamin'ereo Robenita, Gadita, dra gny asasa-pokon'i Manase, dra nisy lelahy 120. 000 zay ninday reo karazam-pitovam-pialia aby ho amin'aly.38Reo miaramila aby, vonona ho amin'aly reo, dra avy tagny Hebrona niaraky tamy fikasa raikisy gny amy hanova an'i Davida ho mpazaka manera an'Israely aby.Gny sisa aby tamin'Israely dra nifagneky gny hanao an'i Davida ho mpazaka avo hoa.39Niaraky tamin'i Davida tao telo andro nereo, nihina vo nino , satria gny havan'ereo dra fa nampinday vasy ho anazy.40Fagnampin'izay, reo zay teo marinin'ereo, hatragny Isakara vo Zebolona dra Naftaly, dra ninday mofo tamy boriky, rameva, amponra, vo agn'omby, dra mofo aviavy, voloboky maiky, divay , menaky, agn'omby, dra agn'ondry, satria nifaly gny Israely.
Chapter 13

1Davida dra niresaky tamin'ereo mpifehy gny arivo vo zato, niaraky tamy mpitariky aby.2Hoy Davida tamy vondron-tafik'Israely aby ho:''Raha soa amindrareo, dra raha laha tamin'i Yaveh Zagnaharisika zay, dra ao isika handefa mpinday hafasy egny aby egny amin'ereo rahalahisika zay mitoesy agny amin'ereo farisin'Israely aby, dra agny amin'ereo mpisoro vo reo Levita zay ao amin'ereo tanan'ereo.Levita zay ao amin'ereo tanan'ereo.Ao ereo zaka ba hiaraky amisika.3Handeha isika hagnery amisika gny tobilin'Agnaharisika, satria sy nitalia gny sitrapony isika tamin'ereo andro gny fazakan'i Saoly.''4Gny vondron-tafiky aby dra nagneky hanao reo raha reo, satria ho mary teo amasaony olo aby reo.5Koa nahoron'i Davida hiaraky gny Israely aby, hatragny amin'i Onin'i Sihora agny Egypta ka hatragny Lebo Hamata, ba hinday gny tobilin'Agnahary laha tagny Kariata Jearima.6Niakasy nagnany Bala i Davida vo gny Israely aby, zay ho, Kiriata Jearima, zay an'i Joda, ba hinday gny tobilin'Agnahary laha tagny, zay nitokavy tamy agnaran'i Yaveh , dra Yaveh, zay mipetraky eo amy seza fiandriana eo amy Kerobima.7Noho zay dra napetrakin'ereo teo agnabony sarety vaovao gny tobolin'Agnahary.Naboakin'ereo laha tao amy tragnon'i Abinada zay.Oza vo Ahio gny ninday gny sarety.8Davida vo gny Israely aby dra nankalaza teo anatrehan'Agnahary tamy herin'ereo aby.Niasa niaraky tamy lokamga , ampongatapaky, kipantsona, dra trompetra nereo.9Fa gny avy teo amy tany famoloan'i Kidina nereo, dra nanondrosy gny tagnany hihazo agny tobily i Oza, satria nilavo gny agn'omby. 10Dra nirehisy tamin'i Oza gny hahorian'i Yaveh, dra novonon'i Yaveh izy satria nanondrosy gny tagnany tamy tobily i Oza. Maty teo anatrehan'Agnahary teo izy.11Ory Davida satria namely an'i Oza i Yaveh. Nitokavy ho Pereza Oza zay toera zay mandrak'Androany.12Natahosy agn'Agnahary i Davida tamin'izay andro zay.Hoy izy ho:''Nanao akory gny fomba hindesako gny tobilin'Agnahary atio aminahy?''13Ka sy nanesiky gny tobily ho agny amy tananan'i Davida i Davida, fa nametraky anizay teo marinigny tragnon'i Obeada Edoma gny Getita.14Dra nizano tao amy tokantragnon'i Obeda Edoma nandrisy gny telo vola gny tobilin'Agnahary. Noho anizay dra nitahy gny ankohonany vo zay aby nanagnany i Yaveh.
Chapter 14

1Dra Hirama mpazakan'i Tyro nandefa mpinday hafasy tagny amin'i Davida, vo hazo sedera, mpandrafisy, dra mpanao tragno.Nagnory tragno ho anazy nereo. 2Davida dra nahafatasy fa Yaveh gny fa nametraky anazy ho mpazaka teo amin'Israely, dra gny fazakany dra nasandrasy agnabony noho gny amin'i Israely olony.3Tao Jerosalema, dra nangalaky valy maro Davida, dra niteraky zanadahy vo zanakapela maro izy.4Tahoky aby gny agnaran'ereo zanaky naterany tagny Jerosalema:Samoa, Sobaba, Natana, Solomona, 5Jibara, Elisoa, Elipeleta,6Noga, Nafega, Jafia, 7Elisama, Beliada dra Elifeleta.8Dra fa gny ren'ereo Filistina fa nohosora ho mpzakan'Israely aby Davida , dra niboaky nitalia anazy izy aby.Nefa ren'i Davida anizay ka niboaky hanohisy anazy reo izy.9Dra avy reo Filistina ka nanao fanafiha tegny amy Lohasahany Refaita.10Laha teo Davida nangataky fagnampia tamin'Agnahary. Hoy izy ho:''Tokony hiakasy hanafiky reo Filistina se zaho?Hagnome fandrese eo amin'ereo se ianao?''Dra hoy Yaveh taminazy ho:''Tafiho, fa tena hagnome anazy reo ho anao zaho.''11Dra niakasy nagnao Balaperazima ereo, dra tao gny nandreseny anereo.Naneho hevisy izy ho:''Gny tagnako gny namakian'i Yaveh gny fahavaloko hiparitaky manahaky gny tondra-drano.''Ka lasa Bala-perazima gny agnaran'izay toera zay.12Nangan'ereo Filistina teo reo zagnahariny, dra nagnome didy Davida fa tokony oroa reo.13Dra nanafiky gny lohasaha draiky gny Filistina.14Dra nangataky fagnampia tagny amin'Agnahary draiky Davida.Hoy Zagnahary taminazy ho:''Sy tokony hanafiky anazy reo eo anooa ianao, fa koa hipalipalisy ao afaran'ereo dra ho avy eo amin'ereo laha teo amin'ereo hazo balsama.15Fa gny renao gny feony lia-be amy fisioky gny sioky laha teo amin'ereo tendrony hazo balsama, dra manafiha amin-kery.Manova anizay satria Zagnahary fa hialoa lalana anao hanafiky gny tafikin'ereo Filitina.''16Ka nataon'i Davida zay nandidian'Agnahary anazy.Nandresy gny tafikin'ereo Filistina tagny Gibeina hatragny Gazera izy. 17Dra gny lazan'i Davida dra niely teo amy tany aby, dra nahavy gny firenena aby hatahosy anazy Yaveh.
Chapter 15

1Dra Davida nagnamboasy tragno ho anazy tao an-tanan'i Davida.Nagnoma toera ho agny tobilin'Agnahary dra nananga lay ho an'izay izy.2Dra hoy Davida ho:''Reo Levita avo gny afaky minday gny tobilin'Agnahary, fa izy reo gny voafilin'i Yaveh ba hinday gny tobilin'i Yaveh, vo hanompo anazy mandrakizay.''3Dra nivorian'i Davida tao Jerosalema gny Israely aby, ba hampiakasy gny tobilin'i Yaveh agny amy toera fa nomaniny ho an'izay.4Nitognan'i Davida niaraky reo taranak'i arona vo reo Levita.5Tamin'ereo taranak'i Kehata, dra nisy an'i Oriela mpitariky vo reo havany, lelahy 120.6Tamin'ereo taranak'i Merary, dra nisy an'i Asaia mpitariky vo reo havany, lelahy 220.7Tamin'ereo taranak'i Gersona, dra nisy an'i Joela mpitariky vo reo havany, lelahy 130.8Tamin'ereo taranak'i Elizafana, dra nisy an'i Semaia mpitariky vo reo havany, lelahy 200.9Tamin'ereo taranak'i Hebronam dra nisy an'i Eliala mpitariky vo reo havany, lelahy valopolo.10Tamin'ereo taranak'i Oziela, dra nisy an'i Aminadaba mpitariky vo reo havany, lelahy 112.11Nitoka an'i Zadoka vo Abiatara mpisoro, dra reo Levita Oriala, Asaia, Joela, Semaia, Eliala, dra Aminadaba i Davida.12Hoy izy tamin'ereo ho:''Iandrareo gny lohan'ereo fianakaviany Levita.Hamasino gny vatandrareo, dra iandrareo vo reo rahahindrareo, ba hafahandrareo mampiakasy gny fiaran'i Yaveh, gny Zagnaharin'Israely, ho agny amy toera zay fa nomaniko ho an'izay.13Sy ninday anizay iandrareo tamy volohany. Zay gny antony namaizan'i Yaveh Zagnaharisika asika, satria sy nitalia anazy na nankato gny lalany isika.''14Noho zay dra nagnamasin-tena reo mpisoro vo reo Levita ba hafahan'ereo mampiakasy gny tobilin'i Yaveh, gny Zagnaharin'Israely.15Dra nilazan'ereo Levita reo asoron'ereo tamy bao gny tobilin'Agnahary , araky zay fa nandidian'i Mosesy-magnaraky reo fisipiky nomeny laha tamy zakan'i Yaveh.16Niresaky tamin'ereo mpitaroky gny Levita i Davida ba hanendry gny rahalahin'ereo ho mpihasa amin'ereo raha-magneno, valiha ,lokanga vo kipatsona, hanadrasy fatrasy vo am-pifalia gny feon'ereo.17Dra nitendren'ereo Levita i Hemana zandahin'i Joela vo gny raiky tamin'ereo rahalahiny, dra i Asafa zanadahin'i Berekia. Nanendry havany laha tamin'ereo taranak'i Merary vo Etana zanadahin'i Kosaia avo koa ereo. 18Niaraky tamin'ereo koa gny havany mariny manarakaraky anazy reo:Zakaria, Jaziela, Semiramota, Jehiela, Ony, Eliaba, Benaia, Mahaseia, Matitia, Elifeleho, Benaia, Obed-edoma, dra Jeiela, reo mpiamby fefy.19Hemana, Asafa, dra Etana mpiatsa dra nitendreny ba hisitiky fatrasy kipatsona varahina.20Zakaria, Aziela, Semiramota, Jehiela, Ony, Eliaba, Mahaseia, dra Benaia gny nisitiky reo gitara, tamy Alamota.21Matitia, Elifeleho, Makneia, Obed-edoma, Jeiela, dra Azaziz gny nitari-dala tamy harpa tamy Seminita.22Kenania, mpitariky reo Levita, Izy gny toniany fihira satria mpampianasy hira izy.23Berekia vo Elkana gny mpiamby gny tobily.24Sebania, Josafata, Netanela, Amasay, Zakaria, Benaia,dra Eliezera, reo mpisoro, gny nipotaky reo trompetra teo alohany tobilin'Agnahary. Obed-edoma vo Jehia gny mpiamby gny tobily.25Dra Davida , reo loholon'Israely, vo reo mpifehy gny agn'arivony dra nandeha nampiakasy gny fiarany faneken'i Yaveh laha tao an-tragnon'i Obed-edoma tamim-pifalia.26Dra Zagnahary raha nagnamoy reo Levita zay nitarazo gny tobiliny faneken'i Yaveh , dra nanao soro agn'omby fito vo agn'ondrilhy fito izy reo.27Nanao akazo vita tamy rongony fosy madiniky i Davida , manahaky reo Levita zay nitarazo gny tobily, reo mpiasa, dra Kenaia, gny mpitariky gny atsa bamin'ereo mpiatsa. Niakazo efoda rongony fosy i Davida.28Ka dra nampiakasy gny tobily fanekan'i Yaveh tamy hiakam-pifalia, vo tamy feon-tandroky, taminigny kipasona, dra tamy valiha vo harpa gny Israely aby.Nefa raha avy tao an-tanan'i Davida gny tobiliny faneken'i Yaveh, dra nitalaky teo am-batrangarakely i Mikala zanakapelan'i Saoly. Nahita an'i Davida mpazaka nisizaky vo nankalaza izy. Laha teo nanao sinosino anazy tao am-pony izy.
Chapter 16

1Dra nandesin'ereo nilisy gny fiaran'Agnahary dra napetran'ereo teo agnevonigny lay ze nataon'i Davida ho anizay. Boak'eo nanolosy fagnatisy oroa vo fagnati-pihombona teo agnatrehan'Agnahary ereo. 2Gny fa vitan'i Davida vo soronigny fagnatisy oroa vo gny fagnati-pihombogna, dra nitahy gny vahoaky tamigny agnaran'i Yaveh izy. 3Nizarazara mofo, tapa-kena, dra mofo mamy misy voaloboky tamireo Israely aby, na lahy na vavy izy.4Nanendry Levita ilailany ba hanopo eo anoloanigny fiaran'i Yaveh i Davida, dra ba hakalaza, hisaosy vo hidera an'i Yaveh, gny Zagnaharin'Israely. 5Reo Levita reo dra Asafa gny pitariky, dra faharo magnaraky anazy i Zakaria, Jeiela, Semiramota, Jehiala, Matita, Eliaba, Abed-Edoma, dra Jeiala. Reo gny nitendry lokanga vo harpa. Asafa reo gny napagneno gny kipaso,ze magneno fatrasy. 6Benaia vo Jahaziela pisoro gny pisioky sy tapaky gny tropetra, teo anoloanigny fiaranigny fagneken'Agnahary.7Dra tamizao andro zay i Davida gny nanendry volohany an'i Asafa vo reo rahalahiny ba hihira io hiranigny fisora an'io Yaveh io. 8Tolory fisora i Yaveh, tokavo gny agnarany; apahafataro eo amireo firenena gny asany. 9Mihira anazy, mihira fidera anazy; talilio reo asany mahagaga aby.10Mirehareha amigny agnarany; aoky hifaly gny fon'ireo ze mitalia an'i Yaveh. 11Taliavo Yaveh vo gny heriny; taliavo mandrakariva gny fagnatrehany.12Sarovy reo raha mahagaga nataony, reo fahagaga vo reo lalana boak'amigny vavany, 13ry taranak'Israely panopony, handrareo vahoakin'i Jakoba, ze nifiliny. 14Izy gny Yaveh, Zagnaharisika. Amigny tany aby reo lalany.15Atovy ao asay mandrakariva gny fagnekeny, dra gny zaka ze nandidiany an'ireo taranaky arivo hifandimby. 16Mahasiaro gny fagneke ze nataony tamin'i Abrahama, vo gny voadiny tamin'Israely izy. 17Izay gny nihamafisiny tamin'i Jakoba manahaky gnyfagneke mandrakizay. 18Hoy Izy ho: "Hagnome andrareo gny tanin'i Kanana hozara lovandrareo zaho."19Nizaka anizay zaho raza bo keliky anisa handrareo, dra vahiny tao amigny tany. 20Nandeha tamigny firenena ho amigny ferenena ereo, boak'amigny fazaka raiky magnagny amigny hafa. 21Sy nisy na iza na iza nangany hapahory anereo; reo pazaka dra nisaziny nohonigny amin'ereo. 22Hoy Izy ho: "Ka mikasiky an'ireo ze voahososy, dra ka magnisy rasy an'ireo paminaniko."23Mihira ho an'i Yaveh, ry tany aby; talilio isan'andro gny famozeny. 24Talilio eo amireo firenena gny voninahiny, dra eo amireo firenena aby reo gny asany mahagaga.25Fa lahibe Yaveh dra tokony ho deray indrindra, dra tokony hatahora agnabon'ireo zagnahary hafa aby Izy. 26Akory sapy reo zagnahary gny firenena aby, fa Yaveh gny nanao gny lagnisy. 27Eo amigny fagnatrehany gny famirapirata vo gny voninahisy. Dra eo amigny toerany gny hery vo gny hafalia.28Magnomeza an'i Yaveh, ry fokonigny vahoaky, magnomeza voninahisy vo hery an'i Yaveh; 29ameo an'i Yaveh gny voninahisy mendriky gny agnarany. Mindesa fagnatisy dra mandehana eo agnatrehany. Miakohofa amin'i Yaveh amigny famirapirata masy.30Matahora eo agnatrehany, ry tany aby. Izao totolo izao avo koa dra fa naory; sy afaky hozongozongy zay. 31Aoky ho faly gny lagnisy, dra aoky hiravo gny tany; aoky ereo hizaka eo amireo firenena ho: "Mazaka Yaveh."32Aoky hiero gny ranomasy, dra ze mameno anizay dra hihiaky apifalia. Aoky ho ravo reo saka, vo ze eo amireo aby. 33DRa aoky reo hazo ao agnala hihiaky apifalia eo agnatrehan'i Yaveh, fa ho avy hisara gny tany Izy.34Mesora an'i Yaveh, fa soa Izy, akory maharisy mandrakizay gny fagnekeny matony. 35Boak'eo mizaka ho: "Vozeo zahay, ry zagnahariny gny famozenay. Hangony miaraky izahay dra vozeo amireo firenena hafa, ba ho afaky hanolosy fisora ho anigny agnaranao masy vo voninahisy amigny fidera Anao zahay."36Ho dera mandrakizay mandrakizay anie i Yaveh, gny Zagnaharin'Israely. Hoy gny olon'aby ho: "Amena" dra nidera an'i Yaveh.37Noho izay Davida dra nagnenga an'i Asafa vo reo rahalahiny teo agnatrehanigny fiarany gny fagneken'i Yaveh, ba hanopo mandrakariva eo agnatrehanigny fiara, araky ze takenigny asa isan'andro. 38Agnisanizay i Obed-edoma miaraky amireo havany valo amby enipolo. Obed-Edoma zanadahin'i Jedotona, miaraky amin'i Hosa, gny piamby vavahady. 39Zadoka gny pisoro vo reo pisoro namany dra teo amigny toera abo tao Gibeona ba hanopo eo anoloanigny tabernakelin'i Yaveh.40Hanolosy fagnatisy oroa mandrakariva amigny maraindray vo hariva ho an'i Yaveh eo agnabonigny alitara ho anigny fagnoroa fagnatisy ereo, araky ze voasorasy aby ao amigny lalan'i Yaveh, ze nameny ho didy ho an'Israely. 41Hemana vo Jedotona dra niaraky tamin'ereo, niaraky tamireo ambiny ze nisafidy tamigny agnarany, ba hanolosy fisora an'i Yaveh, akory maharisy mandrakizay gny fagnekeny matoky.42Hemana vo Jedotona gny pendrekisy gny tragnon'ireo ze misioky tropetra, Kipantsona, dra raha-magneno hafa ho anigny hira masy. Reo zanadahin'i Jedotona gny niamby vavahady. 43Boak'eo gny olon'aby nihery tagny atragnon'ereo, dra Davida nihery ba hitahy gny akohonany.
Chapter 17

1Dra gny fa tafapetraky tao amigny tragnony gny pazaka, dra hoy izy tamin'i Natana paminany ho: "Ingo, monina agnaty tragno sedera zaho, nefa gny fiaranigny fagneken'i Yaveh dra mizano ao ambany lay." 2Dra hoy Natana tamin'i Davida ho: "Mandehana, atovy ze ao aponao, fa momba anao Zagnahary."3Nefa tamigny hariva igny avo koa dra avy tamin'i Natana gny zakan'Agnahary, nanao anizahoky ho: 4"Mandehana dra zakao i Davida panopoko ho: 'Izao gny zakan'i Yaveh: Sy hagnory tragno honahy ba hipetrahako hanao. 5Fa sy bo nipetraky tao agnaty tragno zaho nanomboky tamigny andro ze nindesako an'Israely niakasy dra hatramin'izao andro izao. Fa koa, nipetraky tao agnaty lay zaho, dra tabernakely, tamigny toera sambihafa. 6Tamigny toeran'aby ze fa nifindrako teo amin'Israely aby, moa ra Zaho fa nizaka na ino na ino tamireo pitarik'Israely ze nitendreko ho piamby gny vavahadiko, nanao anizahoky ho: "Nagnino handrareo gny sy nagnory tragno sedera hinahy?""'7"Amizao dra, zakao Davida panopoko ho: 'Izao gny zakan'i Yaveh toponigny maro: Izaho gny nangalaky anao boak'amigny tany fihinanam-bilo, boak'amigny fagnarahan'agnondry, ba ho panapaky eo amin'Israely oloko hanao. 8Nomba anao Zaho na teza na teza nandehananao dra nandringa reo fahavaloko sy ho eo anoloanao, dra hameko agnara, manahaky gny agnaran'ireo ze lahibe eto agnabonigny tany hanao.9Hanendry toera raiky ho an'Israely oloko zaho dra hametraky anereo ao, ba hipetrahan'ereo ao amigny toeran'ereo manoka dra sy ao amigny toeran'ereo manoka dra sy hana ahiahy sasy. Reo olo rasy fagnahy dra sy hapahory anereo, manahaky gny nataon'ereo taloha sasy, 10manahaky gny nataon'ereo nanomboky tamigny andro ze nandidiako reo pisara ba ho eo amin'Israely oloko. Boak'eo hapandavo lefo reo fahavalonao aby zaho. Fagnapin'izay dra zakako aminao fa izaho, Yaveh, dra hagnory tragno raiky honao.11Ho avy zay gny fa tateraky gny fotoanao ze handehananao agny amireo razambenao, dra hananga reo taranaky mandimby anao zaho, dra ho anigny raiky amireo taranakao, dra Izaho gny hametraky gny fazakany. 12Hagnory tragno honahy izy, dra Izaho hametraky gny seza fiandriana mandrakizay.13Ho rany zaho, dra izy ho zanako. Sy halako aminazy gny fahatokianigny fagnekeko, manahaky gny nangalako anizay tamin'i Saoly, ze nanapaky talohanao. 14Hapetrako ho eo amigny tragnoko vo ho eo amigny fazakako mandrakizay izy, dra gny seza fiandrianany dra hitoby mandrakizay."' 15Dra nizaka tamin'i Davida i Natana dra nitatisy reo zaka aby reo tagny aminazy, dra nizaka taminazy mombanigny fahita raiky manotolo izy.16Dra nilisy Davida pazaka dra nipetraky teo anoloan'i Yaveh; hoy izy ho: "Iza moa zaho, ry Yaveh zagnahary, dra ino gny fianakaviako, gny nandesinao ho amizao tazo zao zaho? 17Fa raha kely teo amasonao zay, ry Zagnahary. Nizaka gny amigny fianakavianigny panoponao ze bo ho avy Hanao, dra napiseho anahy reo taranaky ho avy, ry Yaveh zagnahary. 18Ino koa gny azoko? Namenao voninahisy gny panoponao. Namenao voninahisy fakatoava manoka gny panoponao.19Ry Yaveh, nohonigny amigny panoponao, vo ba hahatateraky gny tazo manoka, gny nanovanao anizao raha lahibe zao ba hapihary reo asanao lahibe aby. 20Ry Yaveh, sy misy manahaky Anao, dra sy misy Zagnahary afa-sy hanao, araky ze fa renay mandrakariva. 21Fa iza gny firenena eto agnabonigny tany manahaky gny Israely olonao, ze navotanao, Zagnahary, boak'agny Egypta ba ho vahoaky honao, ba hanao agnara ho anao amireo asa lahibe vo mahagaga? Reo firenena dra niroahinao sy ho eo anoloanigny vahoakao, ze navotanao tamin'i Egypta.22Nataonao ho vahoakao manoka mandrakizay i Israely, dra Hanao, ry Yaveh, dra lasa Zagnaharin'ereo. 23Ko amizao, ry Yaveh, hitoby mandrakizay anie gny fapanatena ze nataonao mahakasiky gny panoponao vo gny fianakaviany. Atovy araky ze fa nizakanao. 24Hitoby mandrakizay anie gny agnaranao dra ho lahibe, dra hizaka gny olo ho: "Yaveh toponigny maro gny Zagnaharin'Israely,' raha apetraky eo agnatrehanao, gny tragnoko, Davida panoponao.25Fa hanao, ry Zagnahariko, dra fa napiseho tamigny panoponao fa hagnory tragno honazy Hanao. Izay gny atony, nahitako, izaho panoponao, faharisiha hivavaky aminao. 26Ko amizao, ry Yaveh, Hanao gny Zagnahary, dra fa nanao anizay fapanatena soa zay tamigny panoponao: 27Dra sitrakao gny hitahy gny tragnonigny panoponao, ba hitohizanizay mandrakizay eo agnatrehanao. Hanao, ry Yaveh, gny nitahy anizay, dra ho voatahy mandrakizay zay."
Chapter 18

1Tafaranizay Davida dra nanafiky gny Filistina dra nandresy anereo. Nalany teo amigny fifehezanigny Filistina i Gata vo gny tanany. 2Dra nandresy an'i Moaba izy boak'eo, dra lasa panopon'i Davida gny Moabita dra nandoa hetra taminazy.3Dra resin'i Davida i Hadarezera, pazakan'i Zoba tao Hamata, raha bo nandeha ba hametraky gny lalany teo amoronigny reniranon'i Eofrata i Hadarezera. 4Nanambosy kalesy arivo, vo pitikisy sovala fitorivo, dra pandeha atomboky roaly i Davida. Nitraingon'i Davida reo sovalanigny kalesy aby, fa nanoka ze mahapy kalesy zato izy.5Nony avy ba hagnapy an'i Hadarezera pazakan'i Zoba reo Syriana boak'agny Damaskosy, dra namono lelahy Syriana roarivo sy roaly Davida. 6Boak'eo dra nametraky maramila tagny Syriana Damaskosy i Davida, dra lasa panopon'i Davida gny Syriana dra nandoa hetra taminazy. Namen'i Yaveh fandresen'i Davida na teza na teza nandehanany.7Nalan'i Davida reo apinga volamena aby tegny amigny panopon'i Hadarezera dra nizaka tagny Jerosalema. 8Tagny Tibata vo Kona, tanan'i Hadarezera, dra nangalaky varahy maro i Davida. Izay varahy zay gny nanovan'i Solomona gny ranomasim-barany, gny andry, vo gny fitova varahy taty afara.9Nony ren'i Toy, pazakan'i Hamata, fa resin'i Davida gny tafik'i Hadarezera pazakan'i Zoba aby, 10dra nalefan'i Toy tagny amin'i Davida i Hadorama zanadahiny ba hiarahaba vo hisaosy anazy, akory Davida nialy yamin'i Hadarezera vo nandresy anazy, dra akory nananga aly tamin'i Toy i Hadarezera. Dra Hadorama dra ninday raha vita tamigny volafosy, volamena, dra varahy niaraky taminazy. 11Natokan'i Davida pazaka ho an'i Yaveh reo raha reo, niaraky tamigny volafosy vo volamena ze nandesiny boak'amigny firenena aby: Edoma, Moaba, gny vahoak'i Amona, reo Filistina, dra gny Amalekita.12Namono Edomita valo arivo vo raialy i Abisay zanadahin'i Zeroia tao amigny Lohazaka-sira. 13Nametrahany maramila tao Edoma, dra lasa panopon'i Davida reo Adomita aby. Namen'i Yaveh Fandresena i Davida na teza na teza nandehanany.14Nazaka teo amin'Israely aby i Davida, dra napihasy gny rariny vo gny fahamarigna tamigny vahoany aby izy. 15Joaba zanadahin'i Zeroia gny pifehy gny tafiky, dra Josafata zanadahin'i Ahiloda gny pita-sorasy. 16Zadoka zanadahin'i Ahitoba vo Abimeleka zanadahin'i Abiatara gny pisoro, dra Saosa gny panora-dalana. 17Benaia zanadahin'i Joiada gny nifehy reo Keretita vo Peletita, dra reo zanadahin'i Davida gny panolosay mitariky gny pazaka.
Chapter 19

1Dra taty afara dra maty Nahasy, pazakanigny vahoak'i Amona, dra gny zanadahiny gny lasa pazaka teo amigny toerany. 2Hoy Davida ho: "Haneho hasoa-fagnagny amin'i Hanona zanadahin'i Nahasy zaho, akory naneho hasoa-fagnahy taminahy gny rany." Dra nandefa iraky i Davida ba hapionon'anazy mahakasiky an-drany. Nilisy tagny amigny taninigny Amonita reo panopon'i Davida dra nagnagny amin'i Hanona, ba hapionon'anazy. 3Saiky hoy reo andrian-dahy Amonita tamin'i Hanona ho: "Mieriserisy ra hanao fa magnome voninahisy gny ranao i Davida akory nagniraky reo panopony ba hapahery anao? Moa sy avy eto aminao reo panopony ba hisafo vo hagnety gny tany ba handrava anizay?"4Ko dra nanambosy reo panopon'i Davida i Hanona, nandrisy anereo, nanapaky reo akazon'ereo hatreo amigny valahany, hatreo amigny foto-pen'ereo, dra nandroaky anereo. 5Gny fa nihazavan'ereo tamin'i Davida zay, dra nagniraky hiseza anereo izy, akory afa-baraka tateraky reo lalahy. Hoy gny pazaka ho: "Mizanogna ao Jeriko mandra-pisirianigny volombavandrareo ndraiky, dra miheregna boak'eo."6Gny hitan'ireo Amonita fa lasa mafais'olosy tamin'i Davida ereo, dra nandefa taleta volafosy arivo i Hanona vo gny Amonita ba hagnarama kalesy Syriana vo pitikisy sovala boak'amin'i Naharaima, Maka, dra Zoba. 7Nagnarama anereo kalesy roarivo vo telo aly gny pazakan'i Maka vo gny vahoany, ze avy nitoby teo anoloan'i Medeba. Nivory tagny amireo tanany reo Amonita, dra niboaky ho amigny aly.8Gny fa nahare anizay i Davida, dra nagniraky an'i Joaba vo gny tafiny manotolo izy ba hihao amin'ereo. 9Niiboaky gny vahoak'i Amona dra nilahasy ho amigny aly teo amigny saka reo pazaka ze avy.10Gny fa hitan'i Joaba gny aly nagnatriky anazy sady teo aloha teo afara, dra nifaty gny ilany tamireo pialy mahay indrindra teo amin'Israely izy dra nandahasy anereo hanohisy reo Syriana. 11Raha gny amireo tafiky ambiny, dra nameny ho eo ambany fandidian'i Abisay rahalahiny zay, dra nalahany ho amigny aly hanohisy gny tafik'i Amona ereo.12Hoy Joaba ho: "Raha hoasy mahery loasy honahy reo Syriana, dra hanao, ry Abisay, gny sy maisy mamozy anahy. Fa raha fatrasy loasy aminao koa gny tafik'i Amona, dra ho avy hamozy anao zaho. 13Mahereza, dra aoko isika haneho gny vatasika vo ho an'ireo tananigny Zagnaharisika, fa hanao soa ho anigny tazony Yaveh."14Ko dra niroso ho amigny aly i Joaba vo reo maramila tafiny ba hanohisy reo Syriana, ze voatery nienga teo agnatrehanigny tafik'Israely. 15Gny fa hitanigny tafik'i Amona fa nienga reo Syriana, dra nienga an'i Abisay rahalahin'i Joaba avo koa reo dra nihery tagny atana. Boak'eo nihery boak'agny amigny vahoak'i Amona i Joaba dra noly tagny Jerosalema.16Gny fa hitan'ireo Syriana fa resin'Israely ereo, dra nandefa fagnapikery boak'agny andafinigny Ony Eofrata ereo, niaraky tamin'i Sofaka gny pifehy gny tafik'i Hadarezera. 17Gny fa nizaka anizay i Davida, dra namory gny Israely aby izy, nisaky an'i Jordana, dra avy teo amin'ereo. Nandahasy gny tafiky ho amigny aly hanohisy reo Syriana izy, dra nialy taminazy ereo.18Nienga an'Israely gny Syriana, dra i Davida namono pitikisy kalesy Syriana fito arivo vo maramila pandeha atomboky efas'aly. Nivonony avo koa i Sofaka, gny pifehy gny tafiky. 19Gny fa hitan'ireo pazaka aby ze panopon'i Hadarezera fa takarin'Israely ereo, dra nihava tamin'i Davida ereo dra nanopo anereo. Dra sy magniry gny hagnapy reo Amonita sasy gny vahoak'i Syria.
Chapter 20

1Dra tamigny fotoanigny lohatao, fotoa andehananigny pazaka agny agnaly raha gny tokony ho izy, gny nitarihan'i Joaba gny tafiky ho amigny aly vo nandravany gny tanin'ireo Amonita. Lasa izy dra nanao fahirano an'i Raba. Nizano tao Jerosalema i Davida. Dra nanafiky an'i Raba dra nandresy anizay i Joaba.2Nalan'i Davida hiala amigny lohany gny sotro-boninahisy gny pazakan'ereo, dra hitany fa taleta volamena raiky gny lazan'izay, dra nisy vato sarobily tao amizay. Natobiny teo an-dohan'i Davida gny satro-boninahisy, dra naboany reo babo maro ze tao atana. 3Naboany gny olo ze tao atana dra nitereny hiasa miaraky amigny sofa vo fangao-by dra famaky ereo. Davida dra nangataky reo tananigny vahoakin'i Amona aby ba hanao anizay asa zay. Boak'eo nihery tagny Jerosalema i Davida vo gny tafiky aby.4Tafaran'izay dra nisy aly niaraky tamireo Filistina tao Gazera. Nivonon'i Sibekay gny Hosatita i Sipay, raiky amireo taranaky gny Refaita, dra resy reo Filistina. 5Dra nisy aly niaraky tamireo Filistina ndraiky tao Goba, dra gny vonon'i Elanana zanadahin'i Jaira gny Betlehemita i Lamy rahalahin'i Goliata gny Gatita, gny soro-kazonize nana lefo dra manahaky gny voli-tenonigny panenona.6Dra nisy aly raiky hafa ndraiky tao gata ze nisy lelahy lava lahibe nana rasa-tagna enina isany gny tagnany dra rasa-tomboky enina isaky gny tombony. Izy avo koa dra avy amigny taranaky gny Refaita. 7Gny fa nanirasira gny tafik'Israely izy, dra nivonon'i Jehonadaba zanadahin'i Simea, rahalahin'i Davida. 8Reo gny taranaky gny Refaita boak'ao Gata, dra matinigny tagnan'i Davida vo gny tagnan'ireo maramilany ereo.
Chapter 21

1Nisy fahavalo raiky nisanga nanohisy an'Israely dra nandrisiky an'i Davida ba hagnisy gny Israely.2Hoy Davida tamin'i Joaba vo reo mpifehy gny tafiky ho:''Mandehana, isao gny vahoakin'Israely laha tao Beri-sheba ka hatragny Dana dra tatero aminahy.''3Dra hoy Joaba ho:''Hampitombo abo zato heny gny tafiny se Yaveh. Kanefa ry tompoko gny mpazaka, moa sy manompo gny tompoko izy aby?Nanao akory gny mila anizay gny tompoko? Nanao akory gny minday heloky amin'Israely?''4Kanefa tapisy gny zakany mpazaka amin'i Joaba. Koa dra lasa Joaba dra nandeha nanera an'Israely aby . Laha teo dra nihery tao Jerosalema izy.5Dra nitotin'i Joaba tamin'i Davida gny fitambarany isan'ereo lelahy mpialy.Nisy lelahy 1. 100 000 mita-sabata tao Israely. Joba avo gny nana miaramila 470 . 000.6Fa Levy vo Benjamina dra sy voaisa amin'ereo, satria nampagnelakelaky an'i Joaba gny baikony mpazaka. 7Naha-tohy agn'Agnahary gny fihesiny, ka dra nanafiky an'Israely Izy.8Hoy Davida tamin'Agnahary ho:''Nanota maro be zaho tamy fanova anizay. Koa alao gny heloky gny mpanomponao, satria nanao andalam-be zaho.''9Hoy Yaveh tamin'i Gada, mpaminanin'i Davida ho:'v 10''Mandehana zakao amin'i Davida ho:'zao gny ambaran'i Yavah:Omeko safily telo ianao. Misafiliana raiky amin'ereo.''11Noho zay Gada dra nagnany amin'i Davida dra nizaka taminazy ho:''zao gny ambaran'i Yaveh :'Misafiliana raiky amy tahoky:12Mosary telo tao, sa telo vola hindrifin'ereo fahavalo vo trasiny sabatan'ereo, sa telo andro amy sabatan'i Yaveh, zay ho, areti-mandringa ao amy tany, miaraky amy azelin'i Yaveh mandrava manera gny tanin'Israely aby.'Koa amizao dra, tapao zay vali-zaka vatany ho andesiko agny amy nagniraky anahy.''13Dra hoy Davida tamin'i Gada ho:''Ory loasy zaho. angao zaho holavo eo an-tagnan'i Yaveh manahaky ze eo an-tagnan'olo , satria tena lahibe gny famindram-pony.''14Noho zay dra nandefa loza tamin'Israely i Yaveh , dra olo fito aly gny maty. 15Nandefa azely tagny Jerosalema i Yaveh ba handrava anizay. Raha igny izy saiky handrava anazy igny, dra nagnety Yaveh dra nagnova gny fisaignany tamy rasy. Hoy Izy tamy azely mpandrava ho:''Ampy zay! Azanogny gny tagnanao.''Tamin'izay fotoa zay dra nisanga teo amy famoloan'i Araona gny Jebosita gny azelin'i Yaveh.16Nagnety agnabo Davida dra nahita gny azelin'i Yaveh nisanga teo agnelagnelany tany vo gny lagnisy , nisy sabasy voapotaky nanondro an'i Jerosalema tegny an-tagnany. Laha teo Davida vo reo loholo, nignisy akazo fandala , nampiankohoky gny tavan'ereo tamy tany.17Dra hoy Davida tamin'Agnahary ho:''Moa sy zaho gny nadidy gny hampiala reo tafiky?Nanao anizay raha rasy zay zaho. Fa reo agn'ondry reo, ino gny nataon'ereo?Ry Yaveh Zagnahariko!Ao gny tagnanao hamely anahy vo gny fianakaviako , fa ka anga hitoesy amy vahoakinao gny loza.''18Dra nandidy an'i Gada gny azelin'i Yaveh ba hizaka amin'i Davida, fa tokony hiakasy vo hagnory alitara ho an'i Yaveh eo amy famoloan'i Araona gny Jebosita i Davida.19Noho zay dra lasa niakasy Davida araky gny toromariky nasain'i Gada nataony amy agnaran'i Yaveh.20Raha bo nandisa vary i Araona, dra nitoliky izy dra nahita gny azely. Dra nivony izy reo vo reo zanadahiny efasy.21Gny fa avy tagny amin'i Araona i Davida, dra nagnety Araora dra nahita an'i Davida. Nagnenga gny famoloa izy dra napekohoky gny tavany tamigny tany teo amin'i Davida. 22Dra hoy Davida tamin'i Araona ho: "Avaroty aminahy ty famoloa tihoky, ba hafahako magnory alitara ho an'i Yaveh. Haloako gny valiny feno, ba hiala amigny vahoaky gny loza."23Hoy Arona tamin'i Davida ho: "Alao ho anao zay, ry topoko gny pazaka. Atovy aminazy ze hitanao fa soa eo amasonao. Ingo, hagnome agnomby ho anao ho fagnatisy oroa zaho, gny fivelesam-bary ho hita, dra gny vary ho fagnatisy vao; hameko anao avokoa zay." 24Dra hoy Davida pazaka tamin'i Araona ho: "Aha, mihizingizy hivily anizay amigny valiny feno zaho. Sy hangalaky anizay hanao vo hanolosy anizay ho fagnatisy oroa amin'i Yaveh zaho raha ameo anahy fosiny zay.25Noho izay dra nandoa enizato sekely volamena ho anigny toera i Davida. 26Nagnory alitara ho an'i Yaveh teo Davida dra nanolosy fagnatisy oroa vo fagnati-pihombogna teo amizay. Nitoka an'i Yaveh izy, ze namaly anazy tamigny alitara fagnoroa gny fagnatisy oroa. 27Boak'eo Yaveh nagnome baiko anigny azely, dra nagnery gny sabany tao amigny fitoerany gny azely.28Fa gny hitan'i Davida fa namaly anazy teo amy famoloan'i Arona gny Jebosita i Yaveh, dra nanao gny soro teo izy tamin'io fotoa io avo.29Dra tamin'izay fotoa zay, gny tabernakelin'i Yaveh, zay nataon'i Mosesy tagny an'efisy , vo gny alitara ho agny fagnatisy oroa, dra tagny amin'ereo tany abo tany Gibeona. 30Kanefa, sy afaky nandeha tagny ba hangataky gny tari-dalan'Agnahary i Davida , satria natahosy gny sabasy gny azelin'i Yaveh izy.
Chapter 22

1Laha teo Davida nizaka ho:''Andeso gny hisy gny tragnon'i Yaveh Zagnahary, miaraky amy alitara ho agny fagnatisy oroan'Israely.''2Koa nandidy reo mpanompony i Davida ba hisambory miaraky reo vahiny zay mony agny amy tanin'Israely. Nitendreny nereo ba ho mpamaky vato, ba hamaky reo vato hara, ba hanorena gny tragnon'Agnahary.3Nagnome vy maro be ho fasiky gny vatrangara ba ho eo amy fefy, dra amin'ereo vy fagnisian'i Davida . Nagnome vaeahina maro noho zay azo tarazo avo koa izy, 4dra hazo sedera maro sy tambo isay .(Ninday hazo sedera maro be ho an'i Davida ba hisay reo Sidoniana vo reo Tyriana.)5Hoy Davida ho:''Solomona zanadahiko dra tanora sady sy manam-paheza , dra gny tragno ze tokony hamboary ho an'i Yaveh dra sy maisy mahatalazo, ba halaza vo ho voninahisy eo amin'ereo tany hafa aby. Koa hikarakara gny fagnavaha zay zaho.''Naho zay dra nanao fagnomana lahibe i Davida talohany nahafatesany.6Laha teo nitoka an'i Solomona zanany izy dra nandidy anazy hagnory tragno ho an'i Yaveh, gny Zagnaharin'Israely.7Hoy Davida tamin'i Solomona ho:''Ry zanako, fikasako gny hagnorenako tragno, ho agny agnaran'i Yaveh Zagnariko.8Kanefa Yaveh nagnato anahy dra nizaka ho:'Fa nandasaky lio maro dra fa nitalia aly maro ianao. Sy hagnory tragno ho agny agnarako ianao, satria fa nandasaky lio maro teto an-tany teo amasoko ianao.9Na dra zay avo, hana zanadahy raiky tia fihavana ianao. Hagnome anazy fiala-sasasy amin'ereo fahavalony aby amy lafiny aby zaho. Fa gny agnarany dra ho atao Solomona, dra hagnome anazy fiadana vo fahangina ho an'Israely amin'ereo androny zaho.10Hagnory tragno ho agny agnarako izy.Ho zanako izy, dra ho rany zaho. Hametraky gny seza fiandriany fazakany eo amin'Israely mandrakizay zaho.'11Amizao , ry zanako, homba anao se Yaveh dra hampahomby anao. 12Hagnory gny tragnon'i Yaveh Zagnahariko se ianao, araky gny nizakany fa hataonao.Hagnome anao say vo fahazava-say avo koa se Yaveh, ba hankatoavinao gny lalan'i Yaveh Zagnaharinao, fa gny mametraky anao hiasa eo amin'Israely Izy. 13Dra hahomby ianao, raha tia soa reo lalana vo reo didy zay nomen'i Yaveh tamin'i Mosesy mahakasiky gny Israely. Mahereza dra mana herim-po. Ka matahosy na kivy.14Dra m ingo, gny fihezahana lahibe zay fa nomaniko ho agny tragnon'i Yaveh zay taleta volamena 100.000. taleta volafosy raiky tapitisa, dra varahina vo vy maro be. Fa nagnome hazo vo vato avo koa zaho. Sy maisy hagnampy maromaro avo an'ereo aby reo ianao.15Mana mpiasa maro miaraky aminao ianao:Mpamaky vato, mpanao tragno, mpandrafisy , dra reo mpanoa asa-tagna mahay maro isan-karazany, 16zay afaky miasa amy volamena, volafosy, varahina , dra vy.Ka atomboy gny asa, dra homba anao se Yaveh.''17Nandidy reo mpitariky gny Israely aby avo koa Davida ba hagnampy an'i solomona zanadahiny, manao ho:18''Momba andrareo Yaveh Zagnaharindreo dra fa magnome fiadana andrareo tamy lafiny aby . Fa nagnome reo mponiny farisy teto am-pelatagnako Izy. Milavo lefo eo anatrehan'i Yaveh vo gny olony gny farisy.19Amizao mitaliava an'i Yaveh Zagnaharindreo amy fondrareo aby vo gny fagnahindrareo aby .Misangana dra hahoregno gny toera masin'i Yaveh Zagnahary.Ka afaky minday gny tobiliny faneken'i Yaveh vo reo raha ze an'Agnahary ao an-tragno zay naory ho agny agnaran'i Yaveh iandrareo.'''
Chapter 23

1Fa gny atisy Davida dra mariny hofara gny andro iaignany, dra nataony mpazaka hanapaky an'Israely i Solomona zanadahiny.2Nahorony niaraky reo mpitariky gny Israely aby, niaraky tamin'ereo mpisoro vo reo Levita.3Reo Levita telopolo tao gny ho mihoasy gny nisay. Niisa valo arivo vo telo aly ozy reo.4''Amin'ereo, dra efasy arivo vo ro aly gny niandraikisy gny asa tao an-tragnon'i Yaveh, dra enina arivo reo manam-boninahisy vo mpitsara.5Efasy arivo gny mpiamby fefy, dra efasy arivo gny mpidera an'i Yaveh miaraky amy fitova ze namboariko ho fagnomeza fidera,''Hoy Davida. 6Nizarany ho vondro zay mifagnaraky amin'ereo zanadahin'i Levy izy reo:Gersona, Kahata, dra Merary.7Laha tamin'ereo foko taranak'i Gersona , gny nisy an'i Ladana vo Simey.8Telo gny zanadahin'i Ladana:Jehiela gny mpitariky, Zetama, dra Joela.9Telo gny zanadahin'i Simey:Selomota, Haziela, dra Harana. Reo gny mpitariky reo fokon'i Ladana.10Efasy gny zanadahin'i Simey:Jahata, Ziza, Jeosy, dra Beria.11Jahata gny zokiny indrindra, dra Ziza gny faharo, fa Jeosy vo Beria koa sy ba nana zandahy maro, ka dra natao ho foko raiky mitovy asa ereo.12Efasy gny zanadahin'i Kehata:Amrama, Jizara, Hebrona,dra Oziela.13Tahoky avy gny zanadahin'i Amrama:Arona vo i Mosesy.Voasafily ho mpanoka reo raha-masy indrindra i Arona, ka izy vo reo taranany gny hanolosy gny litin-kazo magnisy eo anatrehan'i Yaveh, hanompo anazy dra hagnome sandrano amy agnarany mandrakizay.14Fa raha gny amin'i Mosesy gny lelahin'Agnahary koa, dra natao ho Levita reo zanadahiny.15Reo zanadahin'i Mosesy dra i Gersona vo Eliezara.16Gny taranak'i Gersona dra i Seboela gny zokiny indrindra.17Gny taranak'i Eliezara dra i Rehabia. Sy nana-zanadahy hafa i Eliezera, Kanefa Rehabia dra nana taranaky maro.18Gny zanadahin'i Jizara dra i Selomita gny mpitariky.19Gny taranak'i Hebrona dra i Jeria, zokiny insdrindra, Amariagny faharo, Jahaziela gny fahatelo, dra Jekameama gny fahefasy. 20Reo zanadahin'i Oziela dra i Mika zokiny indrindra, dra Isaih gny faharo.21Reo zanadahin'i Merary dra i Maly vo Mosy. Reo zanadahin'i Maly dra i Eleazara vo Kisy.22Maty sy ba nitera-dahy i Eleazara. Zanakapelany avo koa gny nanagnany . Reo zanadahin'i Kisy dra nanambaly anazy reo.23Reo zanak'i Mosy telo lahy dra i Maly, Edera, dra Jeremota.24Reo gny taranak'i Levy araky gny fokon'ereo. Izy reo gny mpitaroky , voaiky dra voahiaky araky gny agnarany foko ze nanao gny fanompoa tao an-tragnon'i Yaveh, manomboky eo amy ropolo tao gny ho miakasy. 25Fa hoy Davida ho:''Yaveh, Zagnaharin'Israely, dra fa nagnome Fisahara ho agny olony. Nataony ao Jerosalema mandrakizay gny tragnony.26Sy hinday gny tabernakely vo reo fitova fampiasa amy fanompoa aby sasy reo Levita.''27Fa tamy alalany zakan'i Davida farany gny nagnisa reo Levita , ropolo tao gny ho miakasy . 28Gny raharahan'ereo dra magnatriky reo taranak'i Arona amy asa ao an-tragnon'i Yaveh .Izy reo dra mikarakara reo kiaza, reo efitragno, gny fomba fagnaliova reo raha aby ze an'i Yaveh, dra gny asa fanompoa hafa aoa an-tragnpn'Agnahary. 29Izy reo avo koa gny mikarakara gny mofony fanatreha , gny koba soa lisa ho vary fagnatisy, gny mofo matify sy misy masirasira, fagnatisy voahendy, fagnatisy mifangaro dililo, dra gny famarana gny hamaroa vo habe-draha aby.30Nisanga isa-maray avo koa izy reo ba hisaosy vo hidera an'i Yaveh. Nataon'ereo avo koa zay gny hariva 31dra na ombia na ombia gny magnatisy fagnatisy oroa ho an'i Yaveh, na amy Sabata na amy fankalaza gny voloham-bola vo amy andro fanasa.Gny isa raikisy , zay voatendry didy, dra sy maisy aseho eo anatrehan'i Yaveh mandrakariva.32Izy reo gny nisahana gny tragno lay fihaogna, gny toera masy , dra nagnampy reo taranak'i Arona naman'ereo tamy fanpmpoan tao an-tragnon'i Yaveh.
Chapter 24

1Gny antokon'asa mifotosy amin'ereo tarank'i arona dra tahoky aby:Nadabo, Abiho, Eleazara dra Itamara.2nadaba vo Abiho dra maty talohany nahafaty gny ran'ereo . Sy nana-zanaky iereo, koa niasa manahaky gny mpisoro i Eleazara vo Itamara.3Davida, niaraky tamin'i zadoka, taranak'i Eleazara, dra Ahimeleka, taranak'Itamara, dra nizara anazy reo ho antokony amy asa maha-mpisoro anazy reo.4Teo amin'ereo taranak'i Eleazara dra nisy lelahy mpitariky maro noho gny teo amin'ereo taranak'Itamara, ka nizaran'ereo ho antoko enina ambiny folo reo taranak'i Eleazara. Nanao anziay tamy lohany fianakaviam-be vo tamin'ereo taranak'Itamara ereo. Valo reo fizarana reo raha isay, zay mifandraiky amy fokon'ereo aby.5Nisarahin'ereo tamy asapakin'ereo , satria nisy mnam-boninahisy masy vo manam-boninahisin'Agnahary, laha tamin'ereo taranak'i Eleazara reo taranak'Itamara.6Semaia zanadahin'i Netanela mpanora-dalana, Levita raiky, dra nanorasy gny agnaran'ereo teo amy fanatrehany mpazaka , reo manam-boninahisy , zadoka mpisoro, Ahimeleka zanadahin'i Abiatara, dra reo mpitariky Levita. Gny foko raiky dra voasariky tamy asapaky laha tamin'ereo taranak'i eleazara, dra gny magnaraky dra ho sariha laha tamin'ereo taranak'Itamara.7Gny loka volohany dra nagnany amin'i Joariba, gny faharo an'i Jedaia,8gny fahatelo an'i Harima, gny fahefasy an'i Seorima, 9gny fahadimy an'i Malkia, gny fahenina an'i bMiamina,10gny fahafita an'i Hakoza, gny fahavalo an'i Abia,11gny fahasivy an'i Jesoa,12gny fahafolo an'i Sekania, gny fahiraiky amby folo an'i Eliasiba, gny faharo ambiny folo an'i Jakima, 13gny fahatelo ambiny folo an'i Hopa, gny fahefasy ambiny folo an'i Jesebaba, 14gny fahadimy ambiny folo an'i Bilga, gny fahenina ambiny folo an'Imera,15gny fahafito ambiny folo an'i Hezira, gny fahavalo ambiny folo an'i Hafizeza, 16gny fahasivy ambiny folo an'i Petahia, gny faharopolo an'i Jehezekela,17gny faharaiky amby ropolo an'i Jakina , gny faharo amby ro-polo an'i Gamola, 18gny fahatelo amby ro-polo an'i Dalaia, dra gny fahefasy amby ro-polo an'i Mazia,19Reo gny laharan'asan'ereo, fa gny avy tao amy tragnon'i Yaveh ereo, magnaraky gny fisipiky nome anazy reo tamy alalan'i Arona razamben'erep, manahaky gny nampianarin'i Yaveh, gny Zagnaharin'Israely anazy.20Tahoky gny ambin'ereo Levy:tamin'ereo zanadahin'i Amrama, dra i Sobaela; tamin'ereo zanadahin'i Sobaela. dra i Jedala.21Reo zanadahin'i Rehabia:Tamin'ereo zanadahin'i Rehabia, dra i Jisia mpitariky. 22Tamin'ereo Jizarita, dra i Selomota;tamin'ereo zanadahin'i Selomota, dra i Jahata.23Reo zanadahin'i Hebrona:Jeria mpitariky, Amaria gny Faharo, Jahaziela gny fahatelo, dra Jekameana gny fahefasy . 24Agnisany zanaky gny tarank'i Oziela i Mika. Agnisany taranak'i Mika i samira. 25Jisia gny rahalahin'i Mika. Agnisany zanadahin'i Jisia i Zakaria.26Reo zanadahin'i Merary:Maly vo Mosy. Gny zanadahin'i Jazia, dra i Beno. 27Reo zanadahin'i Merary: Jazia, Beno, Aohama, Zakora, dra Ibry. 28Gny zanadahin'i Maly: Eleazara, ze sy nanagnanaky lelahy.29Gny zanadahin'i Kisy, gny zanadahin'i Kisy dra: Jeramela. 30Reo zanadahin'i Mosy: Maly, Edera, dra Jerimota. Reo gny Levita, voaisa araky gny fianakavian'ereo aby. 31Reo lelahy ze lohanigny isa-pianakavianigny rany aby vo reo faralahiny aby reo, dra samby niloka teo agnatrehan'i Davoda pazaka, vo Zadoka dra Ahimeleka, niaraky tamireo loha-pianakavian'ireo pisoro vo reo Levita. Nanao asapaky manahaky gny nataon'ireo taranak'i Arona ereo.
Chapter 25

1Davida vo reo pitariky gny asanigny tabernakely dra nisafidy gny asanigny ilany tamireo zanadahin'i Asafa, Hermana, dra Jedotona. Reo lelahy reo dra naminany tamireo harpa, lokanga, dra kipantsona. Tahoky aby gny lisitan'ireo olo ze nanao anizay asa zay: 2Boak'amireo zanadahin'i Asafa: Zakora, Josefa, Netania, dra Asarela, reo zanadahin'i Asafa, teo ambany fitarihan'i Asafa, ze naminany teo ambany fagnarahamasonigny pazaka. 3Boak'amireo zanadahin'i Jedotoma: Gedalia, Zery, Jesaia, Simey, Hasabia, dra Matatia, enina gny fitambarany, teo ambany fifehezan'i Jedotoma ran'ereo, ze nitendry gny harpa ba hagnomeza fisora vo hidera an'i Yaveh.4Boak'amigny zanadahin'i Hermana: Bokia, Matania, Oziela, Seboela, dra Jerimota, Hanania, Hanany, Eliata, Gidalty, Romamti-ezera, Josbekasa, Maloty, Hotira, dra Mazaiota. 5Zanadahin'i Hemana paminan'ny pazaka reo reo aby reo. Zagnahary dra nagnome zanadahy efasy ambiny folo vo zanakapela telo an'i Hemana ba hagnomeza voninahisy anazy.6Reo aby reo dra teo ambany fifehezan'ny baban'izy reo. Pitendry zavamagneno tao atragnon'i Yaveh izy reo, mindray ami'reo kipasona vo reo lokanga gny nanopo tao atragnon'i Yaveh izy reo. Asafa, Jedotona, dra Hermana dra teo ambany fagnaraha-mason'ny pazaka. 7Izy reo vo reo rahalahiny zay manapaheza vo nomany ba hitendry mozika ho an'i Yaveh dra niisa 288. 8Nanao asapaky ho an'ireo andrekiny izy reo, mitovy, manahaky zay koa ho an'ny tanora vo gny atisy, gny papianasy vo gny pianasy.9Gny mahakasiky an'ireo zanaky lahin'i Asafa: Gny asapaky volohany dra azon'ny fianakavian'i Josefa; gny faharo azon'ny fianakavian'i Gedali, olo miisa ro ambin'ny folo; 10Gny fahatelo azon'i Zakora, reo zanany lahy vo reo havany, olo miisa ro ambin'ny folo; 11Gny fahaefasy azon'i Jizry, reo zanany lahy vo reo havany; olo ro ambin'ny folo; 12Gny fahadimy dra azon'i Netania, reo zanany lahy vo reo havany, olo miisa ro ambin'ny folo;13Gny fahaenina dra azon'i Bokia, reo zanany lahy vo reo havany, olo miisa ro ambin'ny folo; 14Gny fahafito azon'i Jesarela, reo zanany lahy vo reo havany, olo miisa ro ambin'ny folo; 15Gny fahavalo dra azon'i Jesaia, reo zanany lahy vo reo havany, olo miisa ro ambin'ny folo; 16Gny fahasivy dra azon'i Matania, reo zanany lahy vo reo havany olo miisa ro ambin'ny folo;17Gny fahafolo dra azon'i Simey, reo zanany lahy vo reo havany, olo miisa ro ambin'ny folo; 18Gny faharaiky ambin'ny folo dra azon'i Azarela, reo zanany lahy vo reo havany, olo miisa ro ambin'ny folo; 19Gny faharo ambin'ny folo dra azon'i Hasabia, reo zanany lahy vo reo havany, olo miisa ro ambin'ny folo; 20Gny fahatelo ambin'ny folo dra azon'i Sobaela, reo zanany lahy vo reo havany, olo miisa ro ambin'ny folo;21Gny fahaefasy ambin'ny folo dra azon'i Matitia, reo zanany lahy vo reo havany, olo miisa ro ambin'ny folo; 22Gny fahadimy ambin'ny folo dra azon'i Jemerota, reo zanany lahy vo reo havany, olo miisa ro ambin'ny folo; 23Gny fahaenina ambin'ny folo dra azon'i Hanania, reo zanany lahy vo reo havany, olo miisa ro ambin'ny folo; 24Gny fahafito ambin'ny folo dra azon'i havany, olo miisa ro ambin'ny folo;25Gny fahavalo ambin'ny folo dra azon'i Hanania, reo zanany lahy vo reo havany olo miisa ro ambin'ny folo; 26Gny fahasivy ambin'ny folo dra azon'i Maloty, reo zanany lahy vo reo havany, olo miisa ro ambin'ny folo; 27Gny faharo-polo dra azon'i Eliata, reo zanany lahy vo reo havany, olo miisa ro ambin'ny folo; 28Gny faharaiky amby ro-polo dra azon'i Horita, reo zanany lahy vo reo havany olo miisa ro ambin'ny folo;29Gny faharo amby ro-polo dra azon'i Gidalty, reo zanany lahy vo reo havany, olo miisa ro ambin'ny folo; 30Gny fahatelo amby ro-polo dra azon'i Mahaziota, reo zanany lahy vo reo havany, olo miisa ro ambin'ny folo; 31Gny fahaefasy amby ro-polo dra azon'i Romamti-ezera, reo zanany lahy vo reo havany, olo miisa ro ambin'ny folo.
Chapter 26

1Tahoky aby gny fizaran'ireo piamby vavahady: Boak'amireo Koraita, Meselemia zanadahin'i Kore, taranak'i Asafa. 2Meselemia dra nanagnanaky lahy: Zakaria gny lahimatoa, Jediaela gny faharo, Zebadia, gny fahatelo, Jatniela gny fahaefasy, 3Elama gny fahadimy, Johanana gny fahaenina, Elihoenay gny fahafito.4Obed-edoma dra nanagnanaky lahy: Semaia gny lahimatoa, Jozabada gny faharo, Joa gny fahatelo, dra Sakara gnyfahaefasy, dra Netanela gny fahadimy, 5Amiela gny fahaenina, akory nitahin'Agnahary i Obed-edoma. 6DRa Semaia zanany dra niteraky lelahy ze nanapaky teo amigny fianakavian'ereo; ereo dra lelahy mana faheza-manao maro.7Reo zanadahin'i Semaia dra: Otny, Rafaela, Obeda dra Elzabada. Reo havany Eliho vo Semakia dra olo mana faheza-mana maro avo koa. 8Reo aby reo dra taranak'i Obed-edoma. Ereo vo gny zanadahin'ereo dra reo havany dra olo mahavita manao gny adidiny agny amigny tabernakely fano-poa. Nisy ro amby eni-polo tamin'ereo nifandraiky tamin'i Obed-edoma. 9Meselemia dra nanagnanaky lahy vo hava, olo mana-paheza, valo ambiny folo gny fitambarany.10Hosa, taranak'i Merary, dra nana zanadahiny: Simry gny pitariky (na dre sy lahimatoa aza izy, dra nataonigny rany ho pitariky), 11Hilkia gny faharo, Tebalia gny fahatelo, dra Zakaria gny fahaefasy. Reo zanadahin'i Hosa vo gny havany mariny aby dra telo ambiny folo gny isany.12Reo fizaran'ireo piapy vavahady reo, mifagnaraky amigny pitariky anereo, dra nana andraikisy, manahaky reo havany, ba hanopo ao atragnon'i Yaveh. 13Niloka ereo, na gny tanora gny atisy, mifagnaraky amigny fianakavian'ereo, ho anigny vavahady. 14Gny fa nariany ho anigny vavahady asignana gny loka, dra lasaky tao amin'i Selemia zay. Dra nagnary gny loka ho an'i Zakaria zanadahiny ereo, ze panolo-say hendry, dra gny lokany dra niseho ho anigny vavahady avarasy.15Gny vavahady asomo dra nitendre ho an'i Obed-edoma, dra gny tragno fitehiriza gny nitendre ho an'ireo zanadahiny. 16Gny vavahady andrefa gny nitendre ho an'i Sopima vo Hosa miaraky amigny vavahadinigny Saleketa, amigny lalana miakasy. Voapetraky ho anigny isa-pianakavia reo fembena.17Tagny asignana dra nisy Levita enina, gny tagny avarasy efasy isan'andro, gny tagny asimo efasy isan'andro, dra lelahy siroro tagny amigny tragno fitehiriza. 18Tao amigny fisara andrefa dra nisy lahasorasy efasy, efasy tegny amigny lala, dra ro tao amigny fisara. 19Reo gny fizaran'ireo piapy vavahady. Ereo dra fenonigny taranak'i Kora vo Merary.20Eo amigny Levita, Ahia gny nisaha reo harena tao atragnon'Agnahary, vo gny amireo harena tao amireo raha ze an'i Yaveh. 21Gny taranak'i Ladana, tranaky boak'amin'i Gersona boak'amigny alalany dra ze pitariky gny fianakavian'i Labana gny Gersonita, dra i Jehielita vo reo zanadahiny, 22Zetama, vo Joela rahalahiny, ze nagnara-maso gny tragno fitehiriza ao atragnon'i Yaveh.23Nisy piamby avo koa voasariky tamigny fianakaviamben'i Armama, Jizara, Hebrona, dra Oziela. 24Seboela zanadahin'i Gersona zanak'i Mosesy, gny pagnara-maso eo amigny tragno fitehiriza. 25Reo havany boak'amigny fianakakaviamben'i Eliezera dra Rehabia zanadahiny, Jesaia zanadahin'i Rehabia, Jorama zanadahin'i Jesaia, Zikry zanadahin'i Jorama, dra Selomota zanadahin'i Zikry.26Selomota vo gny havany dra nisaha gny tragno fitehirizan'aby mita reo raha ze an'i Yaveh, ze natokan'i Davida pazaka, reo pitariky gny fianakavia, gny pifehy gny arivo vo gny pifehy gny zato, dra reo pifehy gny tafiky. 27Natokan'ereo ze azo babo tamigny aly ho fahafoiza ho anigny tragnon'i Yaveh. 28Nisaha gny amigny raha aby ze nataon'i Samoela paminany, Saoly zanadahin'i Kisy, Abnera zanadahin'i Nera, dra Joaba zanadahin'i Zeroia ho an'i Yaveh avo koa ereo. Gny raha aby ze voatoka ho an'i Yaveh dra teo ambany fembenan'i Selomota vo reo havany.29Gny avy amigny taranak'i Jizara, Kenania vo reo zanadahiny gny nisaha gny raharahan'olo-sotra amin'Israely. Ereo dra manamboninahisy vo pisara. 30Gny avy amigny taranak'i Hebrona, Hasabia vo reo rahalahiny, dra lelahy mahay 1. 700, gny nisaha gny asan'i Yaveh vo gny asanigny pazaka. Tagny an-dafy andrefan'i Jordana ereo.31Boak'amigny taranak'i Hebrona, Jeria gny pitariky tamireo taranany, voaisa tamigny lisitan'ireo fianakaviany. Tamigny tao fahaefa-polo nazakan'i Davida gny nandidian'ereo gny firaketa asorasy dra nihita lelahy mahay tao Jazera agny Gileada teo amin'ereo. 32Jeria dra nana hava 2. 700, ze loha-pianakavia mahay. Nataon'i Davida piandraikisy teo amireo fokon'i Robena vo Gada, dra gny asasa-pokon'i Manase, amigny raha aby mahakasiky an'Agnahary, vo gny amigny raharahanigny pazaka ereo.
Chapter 27

1Itahoky gny lisita gny fianakaviamben'ireo pitariky Israelita, ireo pamehy gny arivo gny zato, mbamin'ireo manavoninahisy gny tafiky zay nanopo gny pazaka tamigny fomba samihafa. Gny atoko maramila kiraikiraiky dra nanopo isam-bola nandrisy gny tao. Gny atoko kiraikiraiky dra nisy lelahy efasy arivo vo ro aly avy. 2Gny lohan'ny atoko tamigny vola volohany dra i Jasobeama zanaky lahin'i Zebdiela. Nisy lelahy efasy arivo vo ro aly tao amigny atokony. 3Isan'ireo taranak'i Fereza izy dra niandrekisy an'ireo manavoninahisy gny tafiky aby nandrsy gny vola volohany.4Doda gny lohan'ny atokony tamigny vola faharo, izay avy amigny foko taranak'i Ahoa. Miklota gny teo amigny laharana faharo. nisy lelahy efasy arivo vo ro aly tao amigny atokony. 5Gny pamehy gny tafiky tamigny vola fahatelo dra i Benaia zanaky lahin'i joiada, pisoro vo pitariky. Nisy lelahy efasy arivo vo ro aly tao amigny atokony. 6Io gny Benaia zay pitariky reo telo-polo, sady lohan'ireo telo-polo. Tao amigny atokony i Amizabada zanany lahy.7Asahela rahalahin'i Joaba gny pamehy tamigny vola fahaefasy. Zebadia zanany lahy gny avy pamehy nandimby anazy. Nisy lelahy efasy arivo vo ro aly tao amigny atokony. 8Samihota gny pamehy tamigny volana fahadimy, zay taranak'i Jizarita. nisy lelahy efasy arivo vo ro aly tao amigny atokony. 9Ira zanaky lahin'Isrealy, avy agny Tekoa gny pamehy tamigny vola fahaenina. Nisy lelahy efasy arivo vo ro aly tao amigny atokony.10Heleza Pelinita, avy ami'reo vahoakin'i Afraima gny pamehy tamigny vola fahafito. Nisy lelahy efasy arivo vo ro aly tao amigny atokony. 11Sibekay ilay Hosatita, avy amigny foko taranak'i Zera gny pamehy tamigny vola fahavalo. Nisy lelahy efasy arivo vo ro aly tao amigny atokony. 12Abiezera ilay Anatotita, avy amigny fokon'i Benjamina gny pamehy tamigny vola fahasivy. Nisy lelahy efasy arivo vo ro aly tao amigny atokony.13Maharay avy agny amigny tanan'i Netofota, avy amigny foko taranak'i Zera gny pamehy tamigny vola fahafolo. Nisy lelahy efasy arivo vo ro aly tao amigny atokony. 14Benaia avy agny amigny tanan'i piratona, avy amigny fokon'i Efraima gny pamehy tamigny vola fahiraiky ambin'ni folo. Nisy lelahy efasy arivo vo ro aly tao amigny atokony. 15Helday avy ao amigny tanan'i Netofata, avy amigny foko taranak'i Otniela gny pamehy tamigny vola faharo ambin'ny folo. Nisy lelahy efasy arivo vo ro aly tao amigny atokony.16Itahoky aby reo pitariky gny fokon'Isrealy: Ho an'ny fokon'i Robena, dra Eliezera zanaky lahin'i Zikry gny pitariky. Ho an'ny fokon'i Simeona, dra Sefatia zanaky lahin'i maka gny pitariky. 17Ho an'ny fokon'i Levy, dra Hasabia zanaky lahin'i Kemoela gny pitariky, dra Zadoka gny nitariky reo taranak'i Arona. 18Ho an'ny fokon'i Joda, dra Eliho, raiky amin'ireo rahalahin'i Davida gny pitariky. Ho an'ny fokon'Isrealy, dra Omry zanaky lahin'i Mikaela gny pitariky.19Ho an'ny fokon'i Zebolona, dra Jismala zanaky lahin'i Obadia gny pitariky. Ho an'ny fokon'i Naftaly, dra Jerimota zanaky lahin'i Azriela gny pitariky. 20Ho an'ny fokon'i Afraima, dra Hosea zanaky lahin'i Azazia gny pitariky. Ho an'ny asasaky gny fokon'i Manase, dra Joela zanaky lahin'i Pedaia gny pitariky. 21Ho an'ny asasaky gny fokon'i Manase tao Gileada, dra Ido zanaky lahin'i Zakaria gny pitariky. Ho an'ny fokon'i Benjamina, dra Jasiela zanaky lahin'i Abniera gny pitariky. 22Ho an'ny fokon'i dana, dra Azarela zanaky lahin'i Jehorama gny pitariky. reo gny pitariky gny fokon'Israely.23Sy nagnisa reo ro-polo tao na ambanin'izay i Davida, satria napanatena gny hagnamaro an'Israely manahaky reo vasian'ny lagnisy i Yaveh. 24Nanomboky nagnisa reo olo i Joaba, saiky sy nahavita. Noho zay dra nilavo teo amin'Israely gny fahavariagna. Sy voasorasy ao amigny Tantaran'i Davida pazaka io tarehimariky io.25Azmaveta zanaky lahin'i Adiela gny niandrekisy gny rakisy gny pazaka. Jonatana zanaky lahin'i Ozia gny nisahana gny fagnaza tany asaha, tagny ami'reo tanan-dehibe, vo tagny ami'reo zana-vihisy, dra tagny ami'reo tilikambo voaaro. 26Ezry zanaky lahin'i Keloba gny nisahana ani'reo tasaha, reo zay niasa gny tany. 27Simey avy agny Rama gny nisahana reo tani-voloboky, dra Zebdy avy agny Sifama gny nisahana reo voloboky vo gny lakaly fagnaza-divay.28Bala-hanana avy agny Gadera gny nisahana reo hazo Oliva vo reo hazon'amotana tagny ami'reo tany lemaky, dra Joasy gny nisahana reo tragno fagnaza-menaky. 29Sitray avy agny Sarana gny nisahana reo biby fiopy zay nihinam-bilona tagny Sarana, dra Safata zanaky lahin'i Adlay gny nisahana reo biby fiopy zay tagny ami'reo lohasaha.30Obila ilay Ismaelita gny nisahana an'ireo rameva, dra Jedda avy agny Meronota gny nisahana an'ireo Boriky vavy. Jaziza Hagarita gny nisahana an'ireo agnondry miaraky amigny Osy. 31Reo aby reo dra piandrekisy aby avo.32Panolosay i Janatana, rahalahin'i Baban'i Davida, satria hendry no sady panora-dalana izy. Jehiela zanaky lahin'i Hakmony gny niahy reo zanaky gny pazaka. 33Ahitofela gny pagnome say pazaka, dra Hasay avi ami'reo vahoaky Arkita gny pagnome say manokan'ny pazakla. 34Nalany'i Joiada zanaky lahin'i Benaia, vo Abiatara gny fitobohan'i Ahitofela. Joaba gny pamehy gny tafiky gny pazaka.
Chapter 28

1Navorin'i Davida reo manam-boninahisy gny Israely aby tao Jerosalema: reo manam-boninahis'ireo foko, reo mana-pahefan'ireo atoko ze nanopo gny pazaka tamigny asan'ereo voalahasy, reo pifehy agnarivony vo pifehy azatony, reo pitata gny vara vo fanagnanigny pazaka vo gny anireo zanadahiny aby, dra reo mana-pahefa vo reo lelahy pialy, agnisa'izay gny mahay indrindra amin'ereo.2Dra nisanga i Davida pazaka dra nanao anizahoky ho: "Tenoy zaho, ry rahalahiko vo ry vahoako. Fikasako gny hamboasy tepoly ho anigny fiaranigny fagneken'i Yaveh; fitoera-tombony ho an'Agnaharisika, dra fa nanao fagnomana hagnoregna anizay zaho. 3Nefa hoy Zagnahary taminahy ho: 'Sy hamboasy tepoly ho anigny agnarako hanao, akory lelahin'aly hanao dra fa nandesa-dio.'4Dra Yaveh, gny Zagnaharin'israely, fa nifily anahy tamigny fianakavian-drako aby ho pazaka eo amin'Israely mandrakizay. Fa nifily gny fokon'i Joda ho pitariky Izy. Nifily anahy ho pazaka eo amigny Israely aby teo amigny fokon'i Joda, dra tao amigny akohonan-drako, boak'amigny zanadahin-drako aby Izy. 5Boak'amireo zanadahiny maro namen'i Yaveh anahy, gny nisafidianany an'i Solomona, zanadahiny, ba hipetraky eo amigny seza fiandrinanigny fazakan'i Yaveh, eo amin'Israely.6Hoy Izy taminahy ho: 'Hamboasy gny tragnoko vo reo kiazako i Solomona zanadahiko, akory fa nifily anazy ho zanako Zaho, dra ho rany Zaho. 7Hametraky gny fazakany mandrakizay zaho, raha mitoby makato reo didiko vo gny lalako, manahaky anao amizao izy.8Dra amizao, eo amason'Israely aby, ty fengona ho an'i Yaveh tihoky, vo eo amigny fagnatrehan'Agnaharisika, dra tandremondrareo vo tano reo didin'i Yaveh Zagnaharindrareo aby. Atovy zay ba hanagnandrareo anizay tany soa zay dra hametraky anizay ho lovan'ireo zanandrareo mandimby andrareo mandrakizay.9Dra gny aminao, ry Solomona zanako, akatoavo gny Zagnahariny gny ranao, dra manopoa anazy amigny fonao manotolo vo gny fagnahy mazoto. Atovy zay akory Yaveh mitalia gny fo aby dra mahatakasy gny fahazotoanigny eriserisy gny olon'aby. Raha mitalia anizay hanao, dra ho hitanao Izy, nefa raha magnenga Anazy hanao, dra hagnary anao mandrakizay Izy. 10Fataro fa i Yaveh fa nifily anao ba hamboasy anizay tepoly zay ho fitoerany masy. Matazaky dra atovy zay."11Dra namen'i Davida an'i Solomona zanany gny sarinigny tepoly, gny fagnaza gny tepoly, reo tragno fitehiriza, reo efisy farany agnabo, reo efisy agnatiny, dra gny efisy misy gny rakosy fagnavota. 12Nameny anereo gny rafisy nataony sary ho anireo kiazanigny tragnon'i Yaveh, reo tragno fitehiriza ao atragnon'Agnahary, dra reo fitehiriza-drakisy ho anirei raha ze an'i Yaveh.13Name anereo fisipiky ho anireo fizaran'ireo pisoro vo reo Levita, ho anireo andrekisy voatendry ho anigny fanopoa ao amigny tragnon'i Yaveh, dra ho anireo raha aby ho anigny fanopoa ao atragnon'i Yaveh izy. 14Nameny anazy gny lazanigny fanaky volamena aby ho anigny fanopoa isa-karazany aby dra gny fanaky volafosy aby, ho anigny raha aby ho anigny karaza-panopoa aby. 15Reo asipiriany reo dra name tamigny laza, agnisanizay gny asipirian'ireo fanova-ziro volamena, gny asipirianigny laza ho anigny fanova ziro aby, ho an'ireo ziro, ho an'ireo fanova-ziro volafosy, dra gny asipiriany ho anigny fapesa manoka gny fanova-ziro aby.16Nameny ho an'ireo latabasy gny mofonigny fagnatreha, ho anigny latabasy aby gny lazanigny volamena, dra gny lazanigny volafosy ho an'ireo latabasy volafosy. 17Nameny ho anireo sotro hihinanan-kena, reo lazanigny volamena sy mifangaro. Nameny gny lazanigny lovia volamena sirairay, dra gny lazanigny lovia volafosy sirairay.18Nameny ho anigny alitara fagnoroa liti-kazo magnisy gny lazanigny volamena voalio, dra gny anigny volamena ho anigny sarinigny kerobima ze mamelasy reo elany dra manaro gny fiaranigny fagneken'i Yaveh. 19Hoy Davida ho: "Fa nataoko asorasy zay aby zay araky gny nanoroan'i Yaveh anahy vo napahazoany anahy momba gny sary."20Hoy Davida tamin'i Solomona zanany ho: "Matazaha dra managna heri-po. Atovy gny asa. Ka matahosy na miahiahy, fa Yaveh zagnahary, Zagnahariko, dra momba anao. Sy hamely anao Izy na hagnenga anao mandra-pahavitanigny asa aby ho anigny fanopoa ao amigny tepolin'i Yaveh. 21Ingo, tahoky reo fizaran'ireo pisoro vo reo Levita ho anigny fanopoan'aby ao atepolin'Agnahary. Hiaraky aminao ereo, miaraky amigny lelahy mana-piniava vo tena mahay avokoa, ba hagnapy anao amigny asa vo hagnatateraky gny fanopoa. Reo manamboninahisy vo gny vahoaky aby dra vonona gny hagnaraky reo baikonao."
Chapter 29

1Hoy Davida pazaka tamigny fiangona aby ho: ''Solomona zanako lahy, zay avo nifilin'i Zagnahary, dra bo tanora vo sy mana traikefa, nefa goava gny asa. Fa gny tepoly dra sy ho an'ny vahoaky fa ho an'i Yaveh Zagnahary. 2Dra fa nanao zay fara heriko zaho ba hamasia gny tepolin'i Zagnahariko. Hagnome volamena zaho ho an'izay raha vitaina amigny volamena, volafosy ho an'izay rahavitaina amigny volafosy, varahina ho an'izay raha vitaina amigny varahina, vy ho an'izay raha vitaina amigny vy, dra hazo ho an'izay raha vitaina amigny hazo.Hagnome vato beryly avo koa zaho, vato haory, vato ho an'ny asa voarafisy maro loko___karazany vato sarobidy aby___dra marmora fosy maro be.ho3Ingo, nohon'ny fakasitrahako gny ao tragnon'ny Zagnahariko, dra homeko ho an'izay gny volamena vo gny volafosy sarobidy fanagnako. Ataoko izao ho fagnapian'izay aby fa nomeko ho an'ity tepoly masina itihoky: 4Taleta volamena avy agny Ofira telo arivo, vo taleta volafosy voalio fito arivo, ba hametraha reo rindrn'ireo fagnoregna. 5Hagnome volamena ho an'ny raha ho vita amigny volamena zaho, vo volafosy ho an'ny raha ho vita amigny volafosy, dra reo raha ho an'ny karazan'asa aby zay ataon'ereo panao asa tagna. Iza avo koa gny tehandray azara ho an'i Yaveh androany dra hanolo-tegna hon'azy?''6Dra ireo fagnatisy asitrapo dra nataon'ireo pitariky gny fianakavian'ny razamben'ereo, reo pitarik'ireo fokon'Israely, reo pifehy reo agnarivony vo azatony, dra reo manamboninahisy eo amigny asanigny pazaka. 7Nagnome taleta dimy arivo vo dariky volamena raialy, taleta volafosy raialy, taleta volafosy railaly, taleta varahy valo arivo vo raialay, dra taleta vy 100. 000 ho anigny asanigny tragnon'Agnahary ereo.8Ireo izay nana vato sarobidy dra nagnome izay tao amigny fitobohan-drakisy gny tragnon'i Yaveh, teo ambany fagnaraha-mason'i Jehiela, taranak'i Gersona. 9Niravoravo gny vahoaky noho ireo fagnatisy asitrapo ireo, satria nandray azara tamigny fony manotolo ho an'i Yaveh izy ireo. Faly dra faly avo koa i Davida pazaka.10Nisaotra an'i Yaveh teo agnatrehan'ny fiangona aby i Davida. Hoy izy ho: ''Ho deraina anie hanao, ry Yaveh, Zagnahariny gny Israely razambenay, mandrakizay doria. 11Anao, ry Yaveh, gny fahalahibe, gny fahefana, gny voninahisy, gny fandrese, dra gny famirapiratany. Fa izay aby egny amigny lagnisy vo eo agnabon'ny tany dra anao. Anao gny fazakana, ry Yaveh, asandrasy ho pazaka eo amigny zava-drehetra hanao.12Gny harena vo gny voninahisy dra samy avy aminoa, dra manapaky amigny olo aby hanao. Eo atagnanao gny fahefa vo gny hery. Hanagnanao gny tazaky vo gny hery ba hahalahibe gny olo vo hagnome tazaky gny olo na iza na iza. 13Dra akehitriny, ry Zagnaharinay, dra misaotra anao vo midera gny agnaranao be voninahisy izahay.14Fa iza moa zaho, dra iza ireo vahoako, gny tokony ho afaky hagnome ireo raha ireo asitrapo? Egny tokoa, gny zavadrehetra dra avy aminao, dra naherinay taminao sotr'izao anao. 15Fa vahiny vo mpandalo manahaky ireo razambenay aby izahay, eo agnatrehanao. Gny andronay eto atany dra manahaky gny aloky, dra sy misy fanatena gny amigny fizanogna eto atany.16Ry Yaveh Zagnaharinay, ireo harena aby ireo izay voahoronay ba hanangana tempoly hagnomeza-voninahisy gny agnaranao masina___dra avy aminao hanao. 17Fataso avo koa, ry Zagnahariko, fa mandiniky gny fo vo mahakasiky gny fahisia hanao. Gny aminahy, tamigny fahisi-poko gny fa nanolorako asitrapo ireo raha aby ireo, dra akehitriny magnety am-piravoravoana ireo vahoakinao izay magnatriky asitrapo eto manolosy fagnomeza ho anao zaho.18Ry Yaveh, ilay Zagnaharidr'i Abrahama, Isaka, dra Israely___razambenay___raketo mandrakizay ao asay aman'eriseris'ireo vahoakao zay. Tariho gny fon'ereo hitoliky aminao 19Omeo an'i Solomona zanadahiko gny fo feno fagniria hitandry reo didinao, reo lalanigny fagnekenao, dra reo lalanao aby gny amigny fanangana gny lapa ze fa nivesoiko.20Hoy Davida tamigny fiangona aby ho: ''Akehitriny misora an'i Yaveh Zagnaharindrareo.'' Gny fiangona aby, nisaotra an'i Yaveh, ilay Zagnahary gny razamben'izy ireo, nagnondriky gny lohany dra nanopo an'i Yaveh dra niakohoky teo alohan'ny pazaka. 21Gny maraindray, dra nanao soro ho an'i Yaveh vo nanolosy fagnatisy oroa ho anazy izy ireo. Nanolosy agnomby arivo, agnondry lahy arivo, dra zanak'agnondry arivo, nindray tamigny fagnatisy nomy vo soro be dra be an'Israely aby izy ireo.22Tamin'izay andro izay, dra nihina vo nino teo agn atrehan'i Yaveh tamigny fakalazana lahibe izy ireo. Nataon'izy ireo pazaka fagnindrony draiky i Solomona, zanak'i Davida, dra nanorasy anazy ho pazaka tamigny alalan'ny fahefan'i Yaveh. Nanorasy an'i Zadoka ho pisoro avo koa izy ireo. 23DRa Solomona nitoboky teo amigny Seza fiandrianan'i Yaveh ho pazaka handimby an'i Davida babany. Nambininy izy, dra gny Isrealy aby nakato anazy.24Ireo pitariky aby, maramila, dra ireo zanaky lahin'i Davida dra nagnome fakatoava an'i Solomona pazaka. 25Nomen'i Yaveh vononahisy tamim-palehibiazana teo agnatrehan'Israely aby i Solomona dra nameny fahefana lahibe noho izay fa nameny an'ireo pazaka teo alohany tao Israely.26Nazaka teo amin'Israely aby i Davida zanaky lahin'i Hese. 27Pazakan'Isrealy nandrisy gny efa-polo tao i Davida. Nanapaky an'i Hebrona nandrisy gny fito tao dra Jerosalema nandrisy gny telo amby telopolo tao izay. 28Maty izy gny fa trasy atisy soa, gny niay andro lava, tamigny harena vo vininahisy. Nandimby anazy i Solomona zanany.29Voasorasy ao amigny bokin'i Samoela paminany, ao amigny bokin'i Natana paminany, dra ao amigny bokin'i Gada paminany ireo zava-vitan'i Davida pazaka. 30Voarakisy ireo asan'ny fanapahany, ireo zava-bitany vo ireo zava-niseho izay nahakasiky anazy, Israely, dra ireo fazakan'ny tany hafa aby.

2 Chronicles

Chapter 1

1Solomona zanadahin'i Davida, dra nitombo hery tamigny fazakany, dra Yaveh zagnahariny dra nomba anazy dra nahavy anazy ho tena mahery.2Solomona nizaka tamin'Israely aby tami'reo pifehy gny arivo lahy vo gny zato lahy, vo tami'reo pisara, dra tamigny andrian-dahiny aby tao Israely aby, reo pitariky gny tragno-drazambe. 3Dra nandeha tegny amigny fitoerana avo zay tagny Gibeona i Solomona vo gny piango aby nindray taminazy, satria tagny gny nisy gny tragnolay fihogna amin'Zagnahary, zay namboaran'i Mosesy panopon'i Yaveh, tagny agnefisy. 4Fa nandesin'i Davida avy tagny Kiriata Jearima ho agny amigny toera zay nomaniny ho ami'zay gny fiaran'i Zagnahary, satria fa nagnory lay ho an'izay tao Jerosalema izy. 5Faagnapin'izay, gny alitara varahy nataon'i Bezalila zanaky lahin'i Ori zanaky lahin'i Hora dra fa tagny nanoloa gny tabernakelin'i Yaveh; nandeha tagny i Solomona vo gny fiangona.6Niakasy tagny amigny alitara varahina alohan'i Yaveh i Solomona, zay tao amigny tragnolay fihogna, dra nanolosy fagnatisy oroa arivo teo ami'zay. 7Zagnahary niseho tamin'i Solomona tamin'io hariva io dra nizaka taminazy ho: ''Angataho! ino gny tokony omeko anao?8Hoy Solomona tamin'i Zagnahary ho: ''Hanao dra fa napiseho famin-drapo lahibe tamin'i Davida babako, dra nanao anahy ho pazaka teo amigny pilasiny. 9Akehitriny, ry Yaveh Zagnahary, aoka ba ho taterahy gny fapanatenana nataonao tamin'i Davida babako, satria nataonao pazakan'ny olo maro agnisaky manahaky gny botany gny tany zaho. 10Dra omeo fandresena vo fahalala zaho, ba hahafahako mitariky itky vahoaky tiky, satria iza gny afaky hisara gny vahoakinao, zay tena maro agnisaky?'' 11Hoy Zagnahary tamin'i Saolomona ho: ''satria tao aponao zay, dra sy nangataky vola ama-karena hanao, na voninahisy, na gny ain'ireo zay malaiky anao, na ba ho ela velo hanao, fa fandresena vo fahalala ho an'ny tegnanao gny nangatahanao, ba hahafahanao mazaka amigny vahoako, eo ami'reo zay nanovako anao ho pazaka, dra izao gny ho ataoko.12Hameko fahendrena vo fahalala hanao amizao. Hameko vola am-karena, vo voninahisy avo koa hanao, ze sy nanagnan'ireo pazaka teo alohanao, dra sy hisy aorianao hana." 13Ko avy tao Jerosalema boak'agny amigny fitoera abo ze tao Gibeona I Solomona, boak'eo anoloanigny tragnolay fihogna; nazaka nanera an'Israely izy.14Napivory reo kalesy vo pitikisy sovala i Solomona, dra nana kalesy 1. 400 vo pitikisy sovala ro arivo vo ray aly izy ze napetrany tao amigny tana fitoeran'ireo kalesy, dra niaraky taminazy, gny pazaka tao Jerosalema. 15Nataonigny pazaka nitobaky tao Jerosalema manahaky gny vatokely gny volafosy vo volamena, dra nataony nitobaky manahaky gny aviavy ze egny amireo tany iva gny hazo sedera. 16Manahaky gny fagnafara reo sovala aby agny Egypta vo Kiho ho an'i Solomona, dra nivilin'ireo pandratony avy agny Kiho tamigny viliny toka reo. 17Nagnafasy kalesy aby tagny Egypta tamigny sekely volafosy eni-zato ereo, dra sovala tamigny sarany sekely 150. Ereo avo koa dra nagnondra reo tany amireo pazakan'i Hetita vo reo Syriana.
Chapter 2

1Dra Solomona gny nibaiko gny fagnoregna tragno ho amigny agnaran'i Yaveh vo gny fagnoregna lapa ho an'ny fazakany. 2Nanendry lelahy fito aly i Solomona ba hinday reo eta, vo lelahy valo aly ba ho panapaky hazo tagny an-tendrombohisy, dra lelahy 3. 600 ba hagnara-maso anazy reo. nandefa hafasy tagny amin'i Hirama, pazakan'i Tyro i Solomona, nanao ho: 3''Manahaky zay nataonao tamin'i Davida babako, gny nandefasanao hazo sedera ba hagnoregnany tragno hitoboha, dra manova manahaky zay aminahy.4Ingo, andeso am-pagnoregna tragno ho amigny agnaran'i Yaveh Zagnahariko zaho, ba hanoka zai hon'azy, ba hagnoro diti-kazo magnisy eo agnatrehany, ba hametraky gny mofon'ny fagnatrehany, dra ho an'ireo fagnatisy oroa amigny maraindray vo hariva, ami'reo firavoravoa voatondro ho an'i Yaveh Zagnaharisika . Mandrakizay zay, ho an'Isarely.
6Fa iza anefa mahay magnory tragno ho an'i zagnahary, gny izao tontolo aby izao hatramigny lagnisy aza sy omby anazy? iza zaho gny hagnory tragno hon'azy, afasy gny magnoro soro eo agnatrehany? 7Noho zay agniraho lelahy mana-paheza amigny asa amigny volamena, volafosy, varahy, vy, vo voloparasy, sily, dra volon'agnondry manga zaho, dra lelahy raiky mahay magnamboasy reo karaza-kazo voasitraky aby. Hindray ami'reo lelahy mana-paheza izay mindray aminahy agny Joda vo Jerosalema izy, zay namen'i Davida babako.8Andefaso sedera, Kypreso, dra hazo almongo avy agny Libanona avo ko zaho, satria fatako fa reo panoponao dra nahay gny fomba fanapaha hazo agny Libanona. Ingo, reo panopoko dra hindray ami'reo panoponao, 9Ba hagnomeza hazo maro hon'ahy, satria gny tragno zay haoriko dra ho lahibe vo matalazo. 10Ingo, izaho hagnome an'ireo panoponao, dra reo lelahy zay hanapaky gny hazo, vary tritiky ro aly kora, vary hordea ro aly kora, divay ro aly bata, dra diloilo ro aly bata.'''11Dra Hirma, pazakan'i Tyro, namaly asorasy, zay nalefany tagny amin'i Solomona ho: ''Satria Yaveh tia gny olony, dra nanao anao ho pazaka eo amin'izay reo izy.''' 12Fagnapin'izay, Hirma nizaka ho: ''Isora anie Yaveh. gny Zagnaharin'Israely, zay nanao gny lagnisy vo gny tany, zay nagnome zanaky lahy hendry an'i davida pazaka, nanolosy tamin-pitandrema vo fahazava-say, zay hagnory tragno ho an'i Yaveh, dra tragno ho an'ny fazakany.13Dra nagniraky lelahy mana-paheza zaho, natolosy tami-pahazava-say, dra i Horama, gny matihaniko. 14Zanaky lahin'ny vehivavy irain'ireo zanaky vavin'i Dana izy. Lelahy avy agny Tyro gny babany. Mana-paheza amigny asa amigny volamena, volafosy, varahy, vy vato, vo amigny hazom vo amigny voloparasy, manpa, dra jaky volon'agnondry, vo rongony fosy mandiniky izy. Manam-paheza amigny karaza sokisy vo karaza famolavola avo koa izy. Aoka hisy fipetraha ho anazy eo amin'ereo mpiasanao manam-pahaiza, vo miaraka amin'ereoan'ny topoko, dra Davida, rainao.15Ko amizao, gny vary vo gny vary hordea, gny dililo vo gny divay, ze nizakanigny topoko, dra aoky halefany agny amireo panopony. 16Hanapaky hazo boak'agny Libanona zahay, maro araky ze taliavinao. Halefanay misikafo amigny ranomasy ho agny Jopa agny aminao zay, dra hanao gny hapiakasy anizay agny Jerosalema." 17Nagnisa reo vahiny aby ze tao amigny tany Israely i Solomona, araky gny fomba nagnisan'i Davida, babany, anereo. 153, 600 gny isan'ereo. 18Nanendry fito aly tamireo izy ba hinday eta, valo aly ba ho panapaky hazo agny atendrombohisy, dra pagnaramaso 3. 600 ba hapiasa gny vahoaky.
Chapter 3

1Boak'eo Solomona nanomboky nananga gny tragnon'i Yaveh tao Jerosalema tagny amigny tendrombohis'i Moria, ze nisehoan'i Yaveh tamin'i Davida rany. Nagnoma gny toera ze fa nifilin'i Davida ho amizay izy, tao amigny famoloan'i Ornana gny Jebosita. 2Nanomboky namboasy tamigny andro faharonigny volana faharo izy, tamigny fahefa-tao nazakany. 3Tahoky aby gny refinigny fotosy ze nataon'i Solomona ho anigny tragnon'Agnahary. Napiasa gny hakiho taloha, eni-polo hakiho gny halavany, dra ropolo hakiho gny sakany.4Ropolo hakiho gny halavanigny lavarangy eo anoloanigny tragno, mifagnaraky amigny sakanigny tragno. Ropolo hakiho avo koa gny haabony, dra nipotehin'i Solomona takelam-bolamena malio gny tao agnatiny. 5Niravahiny Kypreso gny valindrihanigny efitragno lahibe, ze nipotehiny takela-bolamena soa, dra nanovany sokisy tamigny hazo palma vo ravaky.6Niravahiny tamigny vato sorobily gny tragno; gny takela-bolamena dra volamena boak'agny Parvaima. 7Nipetahany takela-bolamena avo koa reo andriny, reo tokonam-batrangara, rindry, dra reo vatrangara; nasiany sary kerobima teo amireo rindrin'izay.8Namboasy gny fitoera masy faratapony izy. Gny halavany dra mifagnaraky amigny sakanigny tragno, ropolo hakiho, dra ropolo hakiho avo koa gny sakany. Nipetahany takela-bolamena malio zay, ze taleta eni-zato. 9Gny lazan'ireo fasiky dra sekely volamena dimapolo. Nipetahany takela-bolamena gny farisy agnabony.10Namboasy sary kerobima ro tao amigny fitoera masy indridra izy; nipetahanigny panao asa-tagna takela-bolamena reo. 11Ropolo hakiho gny halavanigny elas'ireo kerobima miaraky; dimy hakiho gny halavanigny elasy gny kerobima raiky, manakasy gny rindrinigny efitragno; dimy hakiho manahaky anizay avo koa gny elasy raiky hafa, manakasy gny elasigny kerobima hafa. 12Dimy hakiho avo koa gny halavanigny rindrinigny efitragno; dimy hakiho avo koa gny elany hafa, mikasiky gny elasigny kerobima volohany.13Ropolo hakiho gny fitambaranigny elas'ireo kerobima reo. Nizoro reo kerobima, gny tavan'ereo manandriky efitragno lahibe. 14Nataony tamigny manga voloparasy, vo volon'agnondry mena dra zamala fosy madiniky gny lamba, dra nihengony kerobima teo amizay. 15Nanao andry rolahy avo koa Solomona, telopolo hakiho gny hahabonigny sirairay, teo anolonigny tragno; dimy hakiho gny hahabon'ireo kapitaly ze teo ataponireo. 16Nanao ravaky ho an'ireo andry izy dra nametraky reo teo atapon'ireo; nanao apongabendagnisy zato avo koa izy dra napifandray reo tamireo ravaky. 17Nataony teo anoloanigny tepoly reo andry, raiky teo akavana, dra gny raiky hafa teo akavana; natao ho Jakina gny andry teo akavana, dra Boaza gny andry teo akavia.
Chapter 4

1Akoasy an'izay dra namboasy alitara varahy izy, ropolo hakiho gny halavany, dra ropolo hakiho gny sakany. Folo hakiho gny haabony. 2Nataony vy avo koa gny magnididy gny tavin-drano, folo hakiho gny molony. Dimy hakiho gny haabony, dra telopolo hakiho gny magnodidy anigny tavin-drano. 3Gny ambinigny molosigny tavin-drano magnodidy dra nisy agnombilahy, folo isaky gny hakiho, natambasy ho raiky miaraky amigny tavin'drano gny fa vita gny tavin-drano.4Napetraky teo agnabonigny agnomby ro ambiny folo gny tavin-drano, gny telo mitoliky magnavarasy, gny telo mitoliky magnandrefa, gny telo mitoliky magnasimo, dra gny telo mitoliky magnasignana. Napetraky teo atendron'ireo gny tavin-drano, dra nifanila gny zorony efas'ereo. 5Matevy manahaky gny voho-tagna gny tavin-drano, dra gny molony dra voatefy manahaky gny molosy kapoaky, manahaky gny vogninigny lilia. 6Mahalany rano telo arivo bata gny tavin-drano. Namboasy koveta folo lahibe ho fanasa raha avo koa izy; nasiany dimy teo akavana, dra dimy teo akavia; fitova apesa amigny fagnatateraha gny fagnatisy oroa gny nisasa teo amireo. Gny tavin-drano koa, ba hisasan'ireo pisoro.7Namboasy reo pisy ziro volamena folo ze natao reo toromariky ho anigny sary izy; napetrany tao atepoly reo, dimy teo amigny akavana, dra dimy teo amigny akavia. 8Namboasy latabasy folo izy dra napetrany tao atepoly reo, dimy teo amigny akavana, dra dimy teo amigny akavia. Namboasy koveta volamena zato izy.9Fagnapin'izay dra namboasy kiazanigny pisoro vo kiaza lahibe, dra vatrangaranigny kiaza izy; nipetahany varahy reo vatrangaran'ireo. 10Napetrany teo amigny ilany akavananigny tragno, tagny asinagna, mitoliky magnasignana gny tavin-drano.11Namboasy vilagny, lapely fahandroa, dra apondra famafaza i Hirama. Ko dra vitan'i Hirama gny asa ze nataony ho an'i Solomona pazaka tao atragnon'Agnahary: 12dra reo andry ro, kapitaly boribory ze teo ataponigny andry ro, dra fitoeranigny haingo makarakara ro ba hanarogna reo kapitaly boribory ro ze teo atapon'ireo andry. 13Fa namboasy ampongabendagnisy efa-zato ho an'ireo hengo makarakara izy: apongabendagnisy ro andala isaky gny fitoeranigny makarakara aby ba hanarogna gny kapitaly boribory ro ze teo amireo andry.14Namboasy sangana vo koveta natao teo agnabonigny sangana avo koa izy; 15tavin-drano raiky vo agnomby ro ambiny folo eo ambaniny, 16reo valiny, lapely fandrofa, fizaisy, dra fitova hafa aby avo koa. Nataon'i Hirama gny matihanina tamigny varahy voalio, ho an'i Solomona pazaka, ho anigny tragnon'i Yaveh reo.17Nagnitriky gny pazaka teo amigny lemaky gny Jordana reo teo amigny tanimanga agnelagnelan'i Sokota vo Zaretana. 18Dra manahaky anizay, gny namboaran'i Solomona reo fanaky aby maro be reo; sy afaky nifatary vatany gny lazanigny varahy.19Namboasy gny fanaky aby ze tao atragnon'Agnahary i Solomona, gny alitara volamena avo koa, dra reo latabasy ze nametraha gny mofonigny fagnatreha; 20gny pisy ziro mbamigny ziron'ireo, ze voatoka ho oroa eo anoloanigny efisy agnatiny__reo dra vita tamigny volamena malio; 21dra reo vonikazo, reo ziro, dra gny lela-ziro, dra volamena malio. 22Gny fanapaha-ziro, gny koveta, gny sotro, dra liti-kazo magnisy fagnoro avo koa dra vita tamigny volamena malio avokoa. Gny amigny fidira manoka atragno, reo vatrangara agnatiny manoka amigny toera masy faratapony dra gny vatrangaranigny tragno, ze, anigny tepoly, dra vita tamigny volamena.
Chapter 5

1Gny fa vita gny asa aby ze nataon'i Solomona ho anigny tragnon'i Yaveh, dra napidirin'i Solomona reo raha ze fa natokan'i Davida, babany, ho ani'izay tazo zay, agnisan'izay gny volafosy, gny volamena, dra reo fanaky aby____napetrany tao amigny amigny fitehiriza tao atragnon'Agnahary reo.2DRa napivorin'i Solomona, tagny Jerosalema, reo loholon'Israely, reo pitariky gny foko aby, dra reo pitariky gny fianakavianigny vahoakin'Israely, ba hapiakasy gny fiaranigny fagneken'i Yaveh boak'ao amigny tanan'i Davida, zay i Ziona. 3Nivory teo anoloanigny pazaka tamigny andro firavoravoa, ze tamigny vola fahafito gny olon'Israely aby.4Avy gny loholon'Israely aby, dra napiakasy gny farisy reo Levita. 5Napekarin'ereo gny fiara, gny tragnolay fihogna, dra gny fanaky masin'aby ze tao an-day. Reo pisoro ze avy tamigny fokon'i Levy gny napiakasy reo raha reo. 6Nindray avy teo anoloanigny fiara i Solomona pazaka vo gny fengonan'Israely aby, nanao soro agnondry vo agnomby ze sy vita isahy.7Reo pisoro dra napiakasy gny fiaranigny fagneken'i Yaveh ho ao amigny fitoerany, tao amigny efisy agnatinigny tragno, tao amigny toera masy faratapony, ambanin'ireo elasy gny kerobima. 8Akory gny kerobima dra namelasy gny elas'ereo eo amigny fitoeranigny fiara, dra nagnory gny fiara vo reo bao ze hizaka anizay reo.9Reo bao dra lava kokoa dra hita boak'ao amigny fitoera masy anoloanigny efisy agnatiny reo fiafarany, saiky sy hita avy agny ivelany zay. Ao mandrak'androany reo. 10Sy nisy na ino na ino tao amigny fiara afa-sy reo vato pisaky ro ze napetrak'i Mosesy tao tagny Horeba, tamin'i Yaveh nanao fagneke tamigny vahoakin'Israely, gny fa niboaky an'i Egypta ereo.11Dra niboaky tao amigny fitoera masy reo pisoro. Reo pisoro avy aby dra nanoka-tegna ho an'i Yaveh, sy nandaha-tegna araky gny fizaran'ereo. 12Reo Levita ze pihira avo koa, izy aby, agnisan'izay i Asafa, Hemana, Jedotona, dra reo zanadahiny vo rahalahin'ereo, nekazo zamala fosy madiniky dra nitendry kipaso, harpa, vo lokanga, dra nizoro teo amigny farany asignananigny alitara. Nisy pisoro 120 nisioky tropetra niaraky tamin'ereo. 13Dra napiara-peo reo pisioky tropetra vo reo pihira, nanao feo toka ba ho re ho fidera vo fisora an'i Yaveh. Nanandrasy gny feony tamigny tropetra vo kipaso dra raha magneno hafa ereo, dra nidera an'i Yaveh. Nihira ereo ho: "Fa soa izy, akory maharisy mandrakizay gny sy fivadiha-pagnekeny." Dra gny tragno, gny tranon'i Yaveh, dra feno raho. 14Sy afaky nizoro ba hanopo reo pisoro nohonigny raho, akory nameno gny tragnony gny voninahis'i Yaveh.
Chapter 6

1Dra hoy Solomona ho: "Nambaran'i Yaveh fa hitoetra ao agnaty ezi-poto izy, 2kanefa fa nagnory tragno soa tarehy ho anao zaho, dra toera hisy anao mandrakizay." 3Dra nihody gny pazaka dra niso-drano gny fengonan'Israely aby, raha bo teo apisangana gny fiangonan'Israely aby.4Hoy izy ho: "Ho dera anie Yaveh, gny zagnaharin'Israely, ze nizaka tamin'i Davida babako, dra nahatateraky anizay tamigny tagnany avo, nanao anizahoky ho: 5'Hatramigny andro nindesako gny vahoako niboaky boak'ao amigny tana Egypta, dra sy nifily tana teo amigny fokon'Israely aby ba hagnoregna tragno zaho, ba hitoeranigny agnarako ao. Dra sy ba nifily olo ho andrianday eo amin'Israely oloko zaho. 6Kanefa, nifily an'i Jerosalema zaho, ba hitoeranigny agnarako ao, dra nifily an'i Davida zaho ba hanapaky eo amin'Israely oloko.'7Dra tao apon'i Davida babako gny hagnory tragno ho anigny agnaran'i Yaveh, gny Zagnaharin'Israely. 8Fa hoy Yaveh tamin'i Davida babako ho: 'Fa nataonao tao aponao gny hagnory tragno ho anigny agnarako, dra soa gny nanovanao zay tao aponao. 9Na izay aza, dra aoky sy hagnory gny tragno hanao; fa koa, gny zanadahinao, ze ho teraky boak'amigny voanao, gny hagnory gny tragno ho anigny agnarako.'10Nitaterahin'i Yaveh gny zaka ze fa nizakany, akory nisanga handimby gny toeran'i Davida babako zaho, dra mipetraky eo amigny seza fiandrianan'Israely, araky gny napanatenan'i Yaveh. Naoriko ho anigny agnaran'i Yaveh, gny Zagnaharin'Israely gny tragno. 11Napetrako tao gny fiara, ze misy gny fagneken'i Yaveh, ze nataony tamigny vahoakin'Israely."12Nizoro teo anoloanigny alitaran'i Yaveh i Solomona teo amigny fagnatrehanigny fengonan'Israely aby, dra namelasy gny tagnany. 13Fa namboasy sehasy varahy izy, ze dimy hakiho gny halavany, dimy hakiho gny velarany, dra telo hakiho gny hahabony. Napetrany teo agnevonigny kiaza izay. Nizoro teo ambonin'izay izy dra nandohaly teo agnabon'izay izy dra nandohaliky teo agnatrehanigny fengonan'Israely aby, dra boak'eo namelasy gny tagnany nangagny amigny lagnisy izy.14Hoy izy ho: "Ry Yaveh, Zagnaharin'Israely, sy misy zagnahary manahaky anao na agny an-dagnisy na eto atany, ze mita fagneke vo fitiava sy mivaliky amireo panoponao ze mandeha eo agnatrehanao amigny fony manotolo; 15Hanao ze fa nita ze napanatenanao tamin'i Davida babako panoponao. Egny, nizaka tamigny vavanao hananao dra nitaterahinao tamigny tagnanao zay, hatramigny androny.16Amizao dra, ry Yaveh, Zagnaharin'Israely, tateraho ze napanatenanao tamin'i Davida babako panoponao, gny fa nizaka hanoa ho: 'Sy ho foa aminao gny hana olo hipetraky aminao gny eo amigny seza fiandrian'Israely eo amasoko, raha toa ka mitandry gny handeha amigny lalako gny taranakao, manahaky gny nandehananao teo agnatrehako.' 17Amizao dra, ry Zagnaharin'Israely, mivavaky zaho ba ho tateraky gny fapanatena nataonao tamin'i Davida panoponao.18Fa tena hitoby atany etiky miaraky amigny zanak'olombelo vatany ra Zagnahary? Ingo, izao totoloizao vo gny lagnisy aza sy atognony anao__maiky fa ty tepoly ze naoriko tihoky! 19Kanefa ba tenoy re ty vavaky gny panoponao vo gny fangatahany tihoky, ry Yaveh Zagnaharinao; ba tenoy gny taloha vo gny vavaky ataonigny panoponao eto agnatrehanao. 20Enga anie dra hisokaky amity tepoly tihoky andro aman'aly gny masonao, dra gny toera ze napanatenanao hametraha gny agnaranao. Hiteno gny vavaky ataonigny panoponao magnatriky ty toera tihoky anie hanao.21Ko tenoy gny fangatahanigny panoponao vo gny Israely olonao gny fa mivavaky magnatriky ty toera tihoky zahay. E, mitenoa boak'agny amigny toera honegnanao, boak'agny an-dagnisy; dra gny fa miteno hanao, dra mamela.22Raha manota amigny namany gny olo raiky hafa dra sy maisy hapanovy fiegna, dra raha avy izy dra manao fiegna eo agnatrehanigny alitaranao ato amity tragno tihoky, 23dra mitenoa boak'agny an-dagnisy dra miasa vo sarao reo panoponao, ba hamaly gny rasy fagnahy, ba hapoly ze nataony ho eo amigny lohany avo. Talilio ho sy mana-signy gny mary, ba hamalia soa anazy nohonigny fahamarignany.24Gny fa resinigny fahavalo gny Israely olonao akory nanota taminao, dra raha mihery aminao ereo, magneky gny agnaranao, mivavaky, dra mangataha famela avy aminao ato amity tepoly tihoky__25dra mitenoa boak'agny an-dagnisy re dra mamela gny fahotan'Israely olonao; andeso mihery agny amigny tany ze namenao anereo vo gny razambeny ereo.26Raha mihily gny lagniasy dra sy misy ora akory nanota taminao gny vahoaky__raha mivavaky magnatriky ty toera tihoky ereo, magneky gny agnaranao, dra miala amigny fahotany aby napahory anao__27dra mitenoa agny an-dagnisy dra mamela gny fahotanigny panoponao vo gny Israely olonao, gny fa mapianasy anereo gny lala soa ze tokony handehana hanao. Mandasaha ora eo amigny taninao, ze namenao ho lovanigny olonao.28Raha atao ho misy mosary eo amigny tany, na atao ho misy areti-mandringa, hamaim-bary na maty fosy, valala na sopanga; na atao ho manafiky gny vavahadinigny tana ao amigny tanin'ereo gny fahararia, na misy areti-mandringa na fahararia__29dra raha atao ndraiky ho misy vavaky vo fangataha nataonigny olo raiky na gny Israely vahoakao manotolo__ze samby mahay gny arety vo gny alahelo agny apony aby raha mamelasy gny tagnany ho amity tepoly tihoky izy. 30Dra mitenoa agny an-dagnisy, gny toera honegnanao; mamela, dra valio soa gny olo aby nohonigny lalany aby; Hanao mahay gny fony, akory hanao dra hanao avo gny mahay gny fon'olombelo. 31Atovy zay ba hatahoran'ereo anao, ba handehanan'ereo amigny lalanao amigny andro aby iegnan'ereo ao amigny tany ze namenao an'ireo razambenay.32Gny amireo vahiny ze sy isan'Israely olonao, saiky__nohonigny agnaranao lahibe, gny tagnanao mahery, dra gny sandrinao misotra__dra avy vo mivavaky magnatriky anity tragno tihoky, 33dra mitenoa re agny an-dagnisy, ze toera honegnanao, dra atovy ze angatahinigny vahiny aminao aby, ba hahafataranigny olon'aby eto atany gny agnaranao dra hatahoran'ereo anao, araky gny ataon'Israely olonao manoka, dra ba hahafataran'ereo fa ty tragno ze naoriko tihoky dra atao amigny agnaranao.34Raha atao ho mandeha miboaky hialy amigny fahavalon'ereo gny olonao, na ino na ino fomba nandrefesanao anereo, dra raha mivavaky aminao magnatriky ty tana ze voafilinao tihoky ereo, dra magnatriky gny tragno ze naoriko ho anigny agnarako. 35Dra mitenoa gny vavaky, vo gny fangatahan'ereo boak'agny an-dagnisy, dra ameo rariny ereo.36Raha atao ho manota aminao ereo__akory sy misy olo sy manota__dra raha atao ho ory amin'ereo Hanao dra manolosy anereo ho eo amigny fahavalo, ba hindesanigny fahavalo anereo vo hangala anereo ho babo agny amigny tanin'ereo, na lavisy na mariny. 37Dra raha atao ho saroan'ereo fa agny amigny tany ze nanova sesi-tany anereo, dra raha atao ho mibebaky ereo dra mitalia sitraky aminao agny amigny tany nahababo anereo. Raha mizaka ereo ho: 'Nanao raha sy mety zahay dra nanota. Rasy fitondra-tegna izahay.' 38Raha atao ho mihery aminao amigny fony manotolo vo gny fagnahiny manotolo agny amigny taninigny fahababoany ereo, ze nindesany anereo ho babo, dra raha atao ho mivavaky amigny taniny ereo, dra ze namenao ho anigny razamben'ereo, vo manandrify gny tana ze nifilinao, dra manandrify gny tragno ze naoriky ho anigny agnaranao. 39Dra tenoy boak'agny an-dagnisy, gny toera honegnanao, gny vavak'ereo vo gny fangatahan'ereo famozena, dra ameo gny rariny ereo. Mamela gny olonao, ze nanota taminao. 40Amizao, ry Zagnahariko, miangavy aminao zaho, aoky hisokaky gny masonao, dra aoky gny sofinao hiteno gny vavaky ze atao eto amity toera tihoky. 41Amizao dra misangana, ry Yaveh zagnahary, eo amigny toera fisaharanao, Hanao vo gny fiaranigny tazakao. Aoky gny pisoronao, ry Yaveh zagnahary, ba hitafy famozena, dra aoky reo olo-masinao hiravo amigny fahasaranao. 42Ry Yaveh Zagnahary, ka mapiody gny tavanigny voahososao hiala aminao. Sarovy reo asanigny sy fivadiha-pagnekenao ho an'i Davida, panoponao."
Chapter 7

1Dra gny fa avy nivavaky Solomona dra nisy afo nizoso boak'agny an-dagnisy dra nandevo reo fagnatisy oroa vo reo nandevo reo fagnatisy oroa vo reo soro, dra nameno gny tragno gny voninahis'i Yaveh. 2Sy afaky nizoso tao an-tragnon'i Yaveh reo pisoro, akory heniky gny voninahiny gny tragnony. 3Nagnety avokoa gny vahoakin'Israely gny fa nilasaky gny afo dra teo amigny tragno gny voninahis'i Yaveh. Napekohoky gny tavany tamigny tany teo amigny rarivato ereo, nivavaky, dra nagnome fandala an'i Yaveh. Hoy ereo ho: "Fa soa Izy, fa maharisy mandrakizay gny famindra-pony."4Ko nanolosy soro ho an'i Yaveh gny pazaka vo gny vahoaky aby. 5Nanolosy soro agnomby ro arivo sy ro aly vo agnondry aman'osy 120. 000 i Solomona pazaka. Ko nitokananigny pazaka vo gny vahoaky aby gny tragnon'i Yaveh. 6Nisanga reo pisoro, nizoro tegny amize nanopoany aby gny sirairay; reo Levita avo koa niaraky tamireo raha magnenon'i Yaveh, ze nataon'i Davida pazaka ba hagnomeza fisora an'i Yaveh tao amigny hira manao anizahoky ho: "Fa maharisy mandrakizay gny fagnekeny mahatoky." Napagneno gny tropetrany teo agnatrehan'ereo aby reo pisoron'aby, dra nisanga avokoa gny Israely aby.7Nanoka gny agnevonigny kiaza teo anoloanigny tragnon'i Yaveh i Solomona. Teo gny nanolorany gny fagnatisy oroa vo gny tavinigny fanati-pihavana, akory gny alitara varahy ze nataony dra sy hay hifahara gny fagnatisy oroa, gny fagnatisy hohany, dra gny sabora.8Nataon'i Solomona nandrisy gny hafitoa gny firavoravoa tamizay fotoa zay, dra gny Israely aby niaraky taminazy, dra fengona lahibe vatany, hatragny Lebo Hamata dra hatragny amigny lohasakan-driaky Egypta. 9Tamigny andro fahavalo dra nanao fivavaha magnetriketriky ereo, akory nihazo gny fanakona gny alitara, vo gny ferova nandrisy gny hafitoa ereo. 10Tamigny andro fahatelo amby ropolonigny vola fahafito, dra napoly gny vahoaky tagny amigny tragnony tami-pifalia vo tamigny fo ravoravo i Solomona nohonigny fahasoava ze nasehon'i Yaveh tamin'i Davida, Solomona, dra gny Israely olony.11Manahaky anizay gny nahavitan'i Solomona gny tragnon'i Yaveh vo gny tragnony manoka. Gny raha aby ze avy tamigny fon'i Solomona ba hatao ao atragnon'i Yaveh vo ao atragnony, dra nitaterahiny soa ama-sara. 12Niseho tamin'i Solomona i Yaveh gny hariva dra nizaka taminazy ho: "Fa reko gny vavakao, dra fa nifily ty toera tihoky ho anigny vatako ho tragnonigny soro zaho.13Raha atao ho magnily reo lagnisy ba sy hisianigny ora Zaho, na raha mandidy reo valala handevo gny tany, na raha mandefa arety eo amigny aloko zaho, 14dra raha gny oloko, ze tokavy amigny agnarako, gny hanetry gny vatany, vo hivavaky, vo hitalia gny tavako, dra hiala amigny fomba rasin'ereo, dra hahare agny an-dagnisy zaho, hagnenga gny fahotan'ereo, dra hagnasitrany gny taniny. 15Amizay dra hisokaky gny masoko dra gny sofiko hiteno soa reo vavaky ze atao ato amity toera tihoky.16Fa amizao dra nifily vo nanoka ty tragno tihoky ba ho eo mandrakizay gny agnarako. Gny masoko vo gny foko dra ho eo isan'andro. 17Raha gny aminao, raha mandeha eo agnatrehako manahaky gny nandehanan'i Davida babanao hanao, makato ze nandidiako anao aby dra mitandry reo didy aman-dalako, 18dra hametraky gny seza fiandrianigny fazakanao zaho, araky gny nizakako tao amigny fagneke raiky taminy Davida babanao, gny fa nizaka zaho ho: 'Sy ho foa amigny taranakao gny ho panapaky eo amin'Israely.'19Fa raha mivadiky hanao, dra mahafo reo lalako vo reo didiko ze napetraky teo anoloanao, ry raha manopo zagnahari-hafa vo mekohoky eo amin'izireo hanao, 20dra ho fongoriko hiala amigny taniko ze nameko anereo reo. Ty tragno tihoky ze natokako ho amigny agnarako tihoky, dra hariako sy ho eto agnatrehako, dra hataoko ho ohabola vo somonga eo amireo olon'aby zay. 21Na dre fa soa tarehy vatany aza ty tepoly tihoky amizao, dra ho tohy vo hisioiky ze manavasava anizay aby. Hagnotany ereo ho: 'Nagnino Yaveh gny nanao anizao tamity tany tihoky vo tamity tragno tihoky?' 22Gny hafa hamaly ho: 'Akory ereo nahafo an'i Yaveh, zagnaharin'ereo, ze ninday gny razamben'ereo hiala boak'amigny tany Egypta, dra nihazo reo zagnahari-hafa vo nekohoky tamin'ereo vo nanopo anereo. Izay gny atony nindesan'i Yaveh anizao loza aby izao eo amin'ereo."'
Chapter 8

1Gny fa niafaky gny ro-polo tao, nandrisy gny nagnamboaran'i Solomona gny tragnon'i Yaveh vo gny tragnony manoka, 2Dra namboaran'i Solomona ndraiky reo tana zay namen'i Hirama anazy, dra napetrany tao gny vahoakin'Israely.3Nanafiky an'i Hamata-zoba i Solomona dra nandresy zay. 4Dra izy nananga an'i Tadmora tagny agnefisy, vo reo tana fitehiriza aby, zay naoriny tao Hamata.5Nananga an'i beti-horona Ambony, vo Beti-horona Ambany, tana voaaro amigny manda, vo vavahady, dra fefy vy avo koa izy. 6Nananga an'i Betela vo reo tana fitehiriza aby zay nanagnany izy, vo gny tanaby ho an'ireo kalesiny vo gny tana ho an'ireo pitikisy sovala, vo zay aby niriny asanga araky zay tiany tao Jerosalema, tao Libonona, vo tao ami'reo tany aby ambany fifeheza.7Dra reo olo aby zay sisa tavela avy tamigny Hetita, gny Amorita, gny Perizita, gny Hivita, vo gny Jebositra, zay sy an'Israely, 8Reo taranany sisa tavela tafaran'izy reo tagny amigny tany, zay sy naringany vahoakin'Israely___dra nataon'i Solomona piasa an-terivozo, zay izy reo mandrak'akehitriny.9Na izay aza, sy nataon'i Solomona ho piasa aterivozo gny vahoakin'Israely. Fa koa, lasa maramilany, vo pifehiny, mana-pahefa, dra pifehy gny tafiky gny kalesiny vo gny pitikisy sovala ereo. 10Reo avo koa gny mana-pahefa lahibe pandrindra reo pagnaramaso ze an'i Solomona pazaka, 250 tamin'ereo, gny nagnaramaso gny vahoaky ze nanao gny asa.11Nandesin'i Solomona niboaky gny tanan'i Davida ho agny amigny tragno ze namboariny ho anazy gny zanakapelan'i Farao, fa hoy izy ho: "Sy mahazo mitoby ao atragnon'i Davida pazakan'Israely gny valiko, akory na iza na iza niavianigny fiaran'i Yaveh dra masy."12Boak'eo Solomona nanolosy fagnatisy oroa ho an'i Yaveh teo amigny alitara ze naoriny teo anoloanigny lavarangy. 13Nanolosy soro rak'ize nitakenigny fanao isan'andro izy; nanolosy anireo izy, nagnaraky anireo torolala hita taninigny didin'i Mosesy, tamigny andro sabata, gny vola vaovao, vo tamigny andro firavoravoa voatondro in-telo mia-tao: dra gny andro Firavoravoa amigny Mofo sy misy Masirasira, gny Herignandro Firavoravoa, dra gny andro Firavoravoanigny felofa.14Tami-pitandrema reo lalan'i Davida babany, gny nagnoroan'i Solomona reo pisoro ho amigny asany, dra reo Levita ho amigny fitoerany, ba hidera an'Agnahary vo hanopo eo anoloan'ireo pisoro, araky ze takenigny fanao isan'andro. Dra nanendry reo piamby vavahady tamigny fizarany isaky gny vavahady aby avo koa izy, fa izay gny fa nandidian'i Davida, gny lelahin'Agnahary. 15Dra reo vahoaky reo dra sy ba nivily tamireo didinigny pazaka tamireo pisoro vo reo Levita na tamin'ino na tamin'ino. mahakasiky reo tragno fitehiriza.16Reo asa aby napanovin'i Solomona dra lomboky avokoa, hatramigny andro nagnora gny fagnambaninigny tragnon'i Yaveh dra mandra-pahavitan'izay. Vita gny tragnon'i Yaveh. 17Boak'eo Solomona nagnagny Ezio-gebera vo Elota, tegny amoron-dranomasinigny tany Edoma. 18Dra nandefasan'i Hirama sambo nandesin'ireo mana-pahefa ze tasambo nana traikefa izy. Niasambo niaraky tamireo panopon'i Solomona ho agny Ofira ereo. Nangalaky taleta volamena 450 boak'agny ereo ze nizaka tagny amin'i Solomona pazaka.
Chapter 9

1Gny fa nahare gny zakan'i Solomona gny pazaka apelan'i Sheba, dra nagnagny Jerosalema izy ba hisapa anazy amigny fagnotania sarosy. Nandeha niaraky tamigny panao rodobe lava dra lava , vo rameva napilazany raha magnisy, volamena maro be, dra vatosoa sarobily maro izy. Gny fa avy tagny amin'i Solomona izy, dra nambarany taminazy avokoa ze tao apony aby. 2Nivalian'i Solomona avokoa reo fagnotaniany aby; sy dra nisy loasy ho an'i Solomona; sy nisy fagnotania ze sy voavaliny.3Gny fa hitan'ny pazaka vavin'i Sheba gny fahendren'i Solomona vo gny lapa zay fa naoriny, 4Gny sakafo teo ambony latabany, gny fipetrahan'ireo panopony, gny asan'ireo panopony dra gny fitafian'izy reo, reo pinday kapoakiny vo fitafiany avo koa, dra gny fomba zay nanolorany gny fagnatisy oroa tao atragnon'i Yaveh, dra sy nisy fagnahy sasy tao aminazy.5Dra hoy izy tamigny pazaka ho: ''Marina tokoa, gny tatisy zay reko tagny amigny taniko momba reo zakanao vo gny fahendrenao. 6Sy nino zay reko zaho ambara-pahaviako teto, dra ankehitriny dra hitan'ny masoko zay. Sy asasaky gny nizakany taminahy momban'ny fahendrenao vo gny harenao! Nihoranao gny laza zay reko.7Endrey sambasy gny vahoakinao, dra sambasy reo panoponao zay fa teo agnatrehanao foana, satria mahare gny fahendrenao izy reo.
9Nomeny talenta volamena 120 gny pazaka dra zava-magnisy vo vato sarobidy maro. Sy nisy fatra-zava-magnisy maro noho reo zay nomen'ny pazaka vavin'i Seba ho an'i Solomona pazaka bo name ho anazy ndraiky.10Reo panopon'i hirama vo reo panopon'i Solomona, zay ninday volamena avy tagny Ofira, dra ninday hazo Almoga vo vato sarobidy avo koa. 11Tamigny hazo Almogo, dra nanao dinga ho an'ny tragnon'i Zagnahary vo gny tragnony gny pazaka, dra koa harpa vo lokanga ho an'ireo pitendry. Sy bo nisy hazo manahaky zay dra hita tagny amigny tanin'ny Joda tagny aloha. 12Dra nomen'i Solomona pazaka reo raha zay niriny gny pazaka vavin'i Sheba, na ino na ino nangatahiny, ho fagnapin'izay fa nandesiny tamigny pazaka. Dra lasa izy dra nihery tagny amigny taniny, izy vo reo panopony.13Dra gny laza-volamena avy tagny amin'i Solomona tao agnatin'ny heritao dra talenta volamena 666, 14Akoasy gny volamena zay nandesin'ireo piserasera vo reo pandrato. Reo pazakan'i Arabia aby vo reo governora tao amigny firenena avo koa dra ninday volamena vo volafosy ho an'i Solomona.15Nagnamboasy apinga volanema voafaty lahibe rozato i Solomona pazaka. Sekely volamena enizato name ho an'ny kiraikiraiky. 16Nagnamboasy apinga volamena voafaty telozato avo koa izy. Mina volamena telo gny nagnarogna gny apinga kiraikiraiky; napetrany gny pazaka teo amigny lapan'ny Alan'i Libanona reo.17Avy eo gny pazaka nagnamboasy seza fiandriana ivoara lahibe dra nipetahiny takelam-bolamena tena matify indrindra zay. 18Dingana eny gny nagneo amigny seza fiandriany, dra boribory gny tao afaran'ny tapon'ny seza fiandriana. Nisy fitehena-tagna teo amigny andanin'ny fitobohany kiraikiraiky, dra nisy liona ro nizoro teo ami'reo andanin'ny fitehena-tagna.19Liona ro ambin'ny folo gny nizoro teo ami'reo dinga, raiky isaky gny andanin'ny isaky gny dinga eny. Sy bo nisy seza fiandria manahaky itiky tagny amigny fazakana hafa. 20Volamena avokoa reo kapoaky fisotron'i Solomona pazaka, dra gny kapoaky finoma aby tao amigny tragnon'ny Alan'i Libanona dra volamena sy mifangaro avokoa. Sy nisy volafosy satria sy nihevery ho sarobidy gny volafosy tamigny andron'i Solomona. 21Gny pazaka dra nana sambo pandeha an-dranomasy, nindray tami'reo sambon'i Hirama. Indray mandeha isa-telo tao gny nandesany sambo volamena, volafosy, dra ivoara, mbamin'ireo razako vo gidro.22Noho zay dra nihoasy reo pazaka aby eran'izao tontolo izao tamigny harena vo fahendre i Solomona pazaka. 23Izao tontolo izao dra nitalia fagnatrehan'i Solomona ba hahare gny fahendreny, zay fa napetrak'i Zagnahary tao am-pony. 24Reo zay nisiliky dra ninday rakisy, fanaky volafosy vo volamena, fitafia, fiarova, dra zava-magnisy, dra sovala vo apondra, isa-tao.25Nana fihinana-bolo efasy arivo ho an'ireo sovala vo reo kalesy i Solomona, dra pitikisy sovala ro arivo vo ray aly, ze natobiny tao amigny tananigny kalesy vo niaraky taminazy tagny Jerosalema. 26Nanapaky teo amireo pazaka aby hatragny amigny Ony Eofrata dra hatragny amigny tagnan'i Filistita izy, dra hatragny amigny tanin'i Filistia izy, hatragny amigny sisi-tanin'i Egypta.27Nana volafosy tagny Jerosalema gny pazaka, maro noho reo vatosoa tegny amigny tany. Namboasy hazo sedera maro noho reo hazo lemaly izy. 28Ninday sovala ho an'i Solomona boak'agny Egypta vo boak'agny amigny tany aby ereo. 29Gny amireo raharaha hafa mahakasiky an'i Solomona, volohany sady farany, sy fa voasorasy tao amigny tataran'i Natana paminany, tao amigny Faminanian'i Ahiza gny Silonita, vo tao amigny Fahitan'Ido pahita mahakasiky an'i Jeroboama zanadahin'i Nebata ra izay? 30Nazaka teo amin'Israely aby nandrisy gny afapolo tao i Solomona. 31Nimaty niaraky tamireo razambeny izy dra gny vahoaky nandevy anazy tagny amigny tanan'i Davida raiky. Rehoboama, zanadahiny, gny lasa pazaka nandimby gny toerany.
Chapter 10

1Nagnagny Sekema i Rehoboama, akory avy tagny Sekema ba hanao anazy ho pazaka gny Israely aby. 2Dra ren'i Jerosalema zanadahin'i Nebata zay (akory tagny Egypta izy, tagny amize fa niengany hiala teo amigny fagnatrehan'i Solomona pazaka, nefa fa nihery boak'agny Egypta i Jeroboama).3Ko nandefa vo napitoka anazy ereo, dra avy Jeroboama vo gny Israely aby; nizaka tamin'i Rehoboama ereo dra nanao anizahoky ho: 4"Nagnasarosy gny zioganay gny babanao. KO amizao, hamorao gny asa mafinigny babanao, dra hamevagno gny zioga mavesasy ze napetrany teto aminay, dra hanopo anao zahay." 5Hoy Rehoboama tamin'ereo ho: "Miheregna ndraiky eto aminahy afaky telo andro." Dra lasa reo vahoaky.6Nangalaky hevisy tagny amireo zokiolo ze nisanga teo agnatrehan'i Solomona babany fony fahavelony i Rehoboama pazaka; hoy izy ho: "Akory gny hanoroandrareo hevisy hevisy anahy ba hinesako anireo? 7Nizaka taminazy ereo dra nizaka ho: "Raha soa amireo vahoaky reo handrareo dra mahafinarisy anereo, dra mizaka zaka soa amin'ereo, dra ho panoponao mandrakizay ereo."8Kanefa sy nirarahin'i Rehoboama gny torohevisy ze namen'ireo zokiolo anazy, dra nangalaky hevisy tagny amireo tovolahy ze ninday lahibe taminazy izy, ze nisanga teo agnatrehany. 9Hoy izy tamin'ereo ho: "Ino gny torohevisy homendrareo gny vahoaky ze nizaka taminahy dra nizaka ho: 'Hamevagno gny zioiga ze napetraky gny babanao taminay'?"10Reo tovolahy nindray lahibe tamin'i Rehoboama nizaka taminazy, nanao anizahoky ho: "Manahaky anizao gny tokony havalinao reo vahoaky ze nizaka taminao fa i Solomona babanao dra napavesasy gny ziogan'ereo, dra tokony hamavagninao izay. Izao gny tokony ho zakanao anereo: 'Gny akihikeliko dra matevy noho gny andilan-drako. 11Ko amizao, na dre nivesarinigny rako tamigny zioga mavesasy aza handrareo, dra bo hagnapy gny ziogandrareo zaho. Gny babako nagnasazy andrareo tamireo karavasy, fa izaho hagnasazy andrareo amireo mengoky."'12Ko dra nandeha nagnagny amin'i Rehoboama i Jeroboama vo gny vahoaky aby tamigny andro fahatelo, araky gny nizakanigny pazaka ho: "Miheregna aminahy atiky amigny andro fahatelo." 13Nizaka fatrasy anereo i Rehoboama, sy niraharaha gny torohevis'ireo zokiolo. 14Nizaka tamin'ereo araky gny toro-hevis'ireo tovolahy izy, nanao anizahoky ho: "Namesasy gny ziogandrareo gny babako, fa izaho hagnapy anizay. GNy babako nagnasazy andrareo tamigny karavasy, fa izaho hagnasazy andrareo amigny mengoky."15Noho izay dra sy nitenonigny pazaka gny vahoaky, fa izay dra fagnova tamireo tranga nandesin'Agnahary, ba hahafahan'i Yaveh magnatateraky gny zakany ze nizakan'i Ahia gny Silonita tamin'i Jeroboama zanadahin'i Nebata.16Gny fa hitan'Israely aby fa sy niteno anereo gny pazaka, dra namaly anazy gny vahoaky dra nizaka ho: "Ino gny azaranay amin'i Davida? Sy mana lova ao amigny zanadahin'i Jese izahay! Gny sirairay amireo dra tokony hihery agny an-dainy aby, ry Israely. Dra atio gny tragnonao, ry Davida." Ko dra nihery ho agny an-dainy aby gny Israely aby. 17Fa raha gny amireo olo nagnino tagny amireo tanan'i Joda, dra i Rehoboama gny nazaka teo amin'ereo. 18Dra Rehoboama pazaka nandefa an'i Adorama, ze nanapaky teo amireo panao asa aterivozo, nefa gny vahokan'Israely nitora-bato anazy ho maty. Dra nienga malaky tamigny kalesy ho agny Jerosalema i Rehoboama pazaka. 19Noho izay dra tao agnatinigny fikomia nanohisy gny taranak'i Davida gny Israely mandrak'androany.
Chapter 11

1Gny fa avy tagny Jerosalema i Rehoboama, dra navory gny taranak'i Joda vo Benjamina, lelahy maramila voafily 180 000, ba hialy amin'Israely, ba hagnery amigny loniny gny fazaka ho an'i Rehoboama.2Kanefa avy tamin'i Semaia gny lelahin'Agnahary gny zakan'i Yaveh, nanao anizahoky ho: 3"Zakao i Rehoboama zanadahin'i Solomona, pazakan'i Joda, vo gny Israely aby agny Joda vo Benjamina ho" 4'Izao gny zakan'i Yaveh: "Ka manafiky na mananga aly amireo rahalahindrareo handrareo. Gny olon'aby dra sy maisy mihery agny amigny fonegnany aby, fa izaho gny fa napitranga anizay."' Ko dra nakato gny zakan'i Yaveh ereo dra nihery sy ho amigny fanafiha an'i Jeroboama.5Nony tao Jerosalema i Rehoboama dra nananga tana tao Joda ho ferova. 6Nananga an'i Betlehema, Etama, Tekoa, 7Beti-zoro, Soko, Adolama, 8Gata, Maresaha, Zifa, 9Adoraima, Lakisy, Azeka, 10Zora, Aialona, dra Hebrona izy. Reo gny tana mimanda tagny Joda vo Benjamina.11Nagnamafy reo Manda izy dra nametraky pifehy tao amireo, niaraky tamigny pisy hany, dililo, dra divay. 12Nametraky apinga vo lefo tagny amigny tanan'aby izy dra nagnamafy reo vatany. Dra lasany i Joda vo Benjamina.13Reo pisoro vo reo Levita ze tao amin'Israely aby dra nagnato anazy boak'ao amireo fari-taniny. 14Fa reo Levita niala tamireo tany fihinanam-bilony vo gny tragno vo tanin'ereo ba handehana agny Joda vo Jerosalema, akory fa niroahin'i Jeroboama vo reo zanadahiny ereo, ba sy hahafahan'ereo manao anireo adidy amigny maha-pisoro ho an'i Yaveh sasy. 15Jeroboama dra nanendry pisoro ho anazy ho amireo fitoerany abo vo osy vo sai-zanak'agnomby ze fa namboariny.16Gny vahoaky avy tamireo fokon'Israely aby dra avy tafaran'ereo, reo ze nanefy gny fony hialy an'i Yaveh, gny Zagnahariny gny Israely; avy tao Jerosalema ereo, ba hanao soro ho an'i Yaveh, gny Zagnahariny gny razamben'ereo. 17Ko dra nihamasinin'ereo gny fazakan'i Joda dra nagnamafy an'i Rehoboama zanadahin'i Solomona nandrisy gny telo tao, dra nandeha tamigny lalan'i Davida vo i Solomona nandrisy gny telo tao ereo.18Nangalaky valy ho anazy Rehoboama: dra i Mahalota, gny zanakapelan'i Jerimota, zanadahin'i Davida, vo Abihaila, gny zanakapelan'i Eliaba, zanadahin'i Jese. 19Niteraky zanadahy taminazy izy: dra i Jeosy, Semaria, dra Zahama.20Tafaran'i Mahalottta, dra nangalaky an'i Maka, zanakapelan'i Absaloma, i Rehoboama; niteraky an'i Abia, Atahy, Ziza, dra Selomita taminazy izy. 21Rehoboama nitia an'i Maka, zanakapelan'i Absaloma, nihiasy reo valiny hafa vo reo valisindranony aby (nangalaky valy apela valo ambiny folo vo valisindrano eni-polo izy, dra lasa babanigny zanadahiny valo amby ropolo vo zanakapela eni-polo).22Rehoboama nanendry an'i Abia zanadahin'i Maka ho lahibe, pitariky eo amireo rahalahiny; fa nana-kevisy gny hanao anazy ho pazaka izy. 23Nanapaky tami-pahendrena i Rehoboama; napiely anireo zanadahiny aby nanera zanadahiny aby nanera gny tanin'i Joda vo Benjamina aby ho agny amigny tana mimanda aby izy. Nagnome sakafo be ho anereo avo koa izy dra nitalia valy maro be ho anereo.
Chapter 12

1Dra tamizay, gny fa tafapetraky gny fazakan'i Rehoboama dra natazaky izy, dra nahafo gny lalan'i Yaveh__vo gny Israely aby niaraky taminazy izy.2Nitranga izay tamigny tao fahadimy nazakan'i Rehoboama pazaka, fa i Sisaka, pazakan'i Egypta, niakasy hanohisy an'i Jerosalema, akory namadiky an'i Yaveh gny vahoaky. 3Avy niaraky tamigny kalesy ro-zato sy arivo vo pitikisy sovala eninaly izy. Maramila sy hita isa gny avy niaraky taminazy boak'agny Egypta: reo Lobita, sokita, dra reo Etiopiana. 4Nalany reo tana voaaro fatrasy ze an'i Joda dra nagnagny Jerosalema.5Dra Semaia paminany avy tagny amin'i Rehoboama vo reo pitariky an'i Joda ze niara-nivondro tao Jerosalema noho i Sisaka. Hoy Semaia tamin'ereo ho: "Izao gny zakan'i Yaveh: Handrareo fa nahafo anahy, dra fa natoloso ho eo atagnan'i Sisaka avo koa handrareo." 6Dra nanetry tegna reo zagnaharin'Israely vo gny pazaka dra nanao anizahoky ho: "Marina i Yaveh."7Dra gny fa hitan'i Yaveh fa nanetry tegna ereo, dra avy tamin'i Semaia gny zakan'i Yaveh, nanao anizahoky ho: "Fa nanetry tegna ereo. Sy handringa anereo zaho; fa hamozy anereo amigny fandringa, dra sy hilasaky eo amin'i Jerosalema amigny alalanigny tagnan'i Sisaka gny hatezerako. 8Na izay aza, dra ho panopony ereo, ba hahatakaran'ereo ho akory izay panopo anahy vo manopo reo pitondra reo firene-kafa izay."9Dra Sisaka, pazakan'i Egypta niakasy hanohisy an'i Jerosalema dra nangalaky reo harena tao atragnon'i Yaveh, vo reo harena tao atragnon'i Yaveh, vo reo harena tao atragnon'i pazaka. Nalany avokoa reo apinga volamena ze nataon'i Solomona. 10Nanao apinga varahy teo atoeran'ireo i Rehoboama pazaka dra nagnaky anireo teo atagnan'ireo pifehy gny piamby, ze niamby reo vatrangaranigny tragnonigny pazaka.11Nitranga izay gny isika gny nilisy tao atragnon'i Yaveh gny pazaka, dra ninday anizay reo piamby; boak'eo ereo ninday anizay nihery tagny amigny tragno fiambena. 12Gny fa nanetry tegna i Rehoboama, dra niala taminazy gny haorian'i Yaveh, ba sy handringa anazy tateraky; akoas'izay, bo nisy fahasoava hita avo tao amin'i Joda.13Dra Rehoboama pazaka ninday hery ho anigny fazakany tao Jerosalema, dra manahaky anizay gny nazakany. Raiky amby efa-polo tao i Rehoboama raha nanomboky nazaka, dra nazaka nandrisy gny fito ambiny folo tao taoJerosalema, gny tana ze nifilin'i Yaveh tamigny fokon'Israely aby izy ba hahafahany mametraky gny agnarany ao. Gny agnaran-dreniny dra i Nama, gny Amonita. 14Nanao rasy izy, akory sy nanefy gny fony ba hitalia an'i Yaveh, 15Dra gny amireo raha hafa mahakasiky an'i Rehoboama, volohany sady farany, moa ra reo sy fa voasorasy ao amigny asa soras'i Semaia paminany vo Ido gny pahita, ze tetihara avo koa dra reo aly lava teo amin'i Rehoboama vo Jerosalema? 16Nimaty tagny amireo razambeny i Rehoboama dra nalevy tao atanan'i Davida; Abia zanadahiny gny lasa pazaka teo amigny toerany.
Chapter 13

1tamigny tao fahavalo nazakan'i Jeroboama pazaka, dra nanomboky nazaka gny telo tao tagny Jerosalema izy; Maka gny agnaran-dreniny, gny zanakapelan'i Oriela boak'agny Gibeo. Nisy aly teo amin'i Abia vo Jeroboama. 3Abia nandeha nialy niaraky tamigny tafiky matazaky raiky, dra maramila mahery fo, lelahy voafily 400.000. Dra Jeroboama nandahasy lelahy voafily, matazaky, maramila mahery fo 800.000 hialy hanohisy anazy.4Nizoro teo atendrombohisy Zemaraima, ze tao amigny tany havoan'i Efraima i Abia, dra nanao anizahoky ho: Tenoy zaho, ry Jeroboama vo ry Israely aby! 5Sy fatandrareo ra fa Yaveh, gny Zagnaharin'Israely, gny nagnome an'i Davida gny fanapaha teo amin'Israely mandrakizay, dra ho anazy vo reo zanadahiny tamigny fagneke ara-dala?6Nefa Jeroboama zanadahin'i Nebata, gny panopon'i Solomona zanadahin'i Davida, dra fa nisanga dra nikomy nanohisy gny topony. 7Reo lelahy sy mendriky, reo nnama rasy fitondra-tegna, gny nikamba taminazy. Avy hanohisy an'i Rehoboama zanadahin'i Solomona ereo, fony bo tanora vo sy nana traikefa dra sy nahavita nanohisy anereo i Rehoboama.8Amizao handrareo mizaka fa mahatosy gny fitondra maherin'i Yaveh eo atagnan'ireo taranak'i Davida. Tafiky laibe handrareo , dra miaraky amindrareo reo zanak'agnomby volamena ze nataon'i Jeroboama ho zagnahary ho andrareo. 9Sy fa nandroaky reo pisoron'i Yaveh, dra reo taranak'i Arona, vo reo Levita ra handrareo? Sy fa nanao pisoro ho anigny vatandrareo tamigny fomban'ireo poninigny tany hafa ra handrareo? Na iza na iza avy magnamasi-tegna miaraky amigny zanak'agnomby vo agnondrilahy fito dra ho lasa pisoron'ireo ze sy Zagnahary anie izy.10Fa raha gny aminay , Yaveh gny zagnaharinay, dra sy bo nahafo anazy zahay. Mana pisoro zahay, taranak'i Arona, manopo an'i Yaveh, vo reo Levita, ze amigny asan'ereo. 11Isa-maray vo isa-kariva dra magnoro fagnatisy oroa vo liti-kazo agni-pofony ho an'i Yaveh ereo. Mandamigna gny mofonigny fagnatreha eo amigny latabasy malio avo koa ereo.; mikarakara gny pisy ziro volamena mbamin'ireo zirony avo koa ereo, ba harehisy isa-kariva. Mitandry reo didin'i Yaveh, Zagnaharinay izahay, nefa handrareo nahafo anazy.12Ingo, Zagnahary dra miaraky aminay eo anoloanay, dra reo pisorony dra eto miaraky amigny tropetra ba hapagneno fanaira ho andrareo. Ry vahoakin'Israely, ka mialy amin'i Yaveh, gny Zagnahariny gny razambendrareo, fa sy hahomby handrareo ."13Kanefa Jeroboama nagnoma fameleza tapoky tafaran'ereo; teo anoloan'i Joda gny tafiny, dra tafaran'ereo gny otriky. 14Gny fa nitoliky i Joda, dra ingo, sady teo anoloan'ereo gny tao afarany gny aly. Nitaray tamin'i Yaveh ereo, dra nisioky gny tropetra reo pisoro. 15Dra nitifisy reo lelahin'i Joda; raha nitify igny ereo, dra namely an'i Jeroboama vo gny Israely aby teo anoloan'i Abia vo Joda i Zagnahary.16Nienga teo anoloan'i Joda gny vahoakin'i Israely, dra natolos'Agnahary teo atagnan'i Joda ereo. 17Nivonon'i Abia vo gny tafiny tamigny famonoa lahibe ereo; dra lelahy voafily 500.000 tamin'Israely gny lavo dra maty. 18Tamizay fomba zay, gny nandresenigny vahoakin'Israely tamizay fotoa zay; nandresy gny vahoakin'i Joda akory niaky tamin'i Yaveh, gny Zagnaharin'ireo razambeny ereo. 19Nihitrignin'i Abia i Jeroboama; nalany taminazy reo tana: dra i Betela niaraky tamireo zana-bohiny, Jesana niaraky tamireo zana-bohiny, dra Efrona niaraky tamireo zana-bohiny. 20Sy nihanahery sasy Jeroboama nandrisy gny andron'i Abia; namely anazy i Yaveh, dra maty izy. 21Fa Abia koa nihanatazaky; nangalaky valy efasy ambiny folo izy dra niteraky ro amby ropolo lahyizy dra niteraky ro polo lahy vo enina ambiny folo vavy. 22Gny ambireo asa lahibe vitan'i Abia, gny fitondra-tenany vo reozakany dra voasorasy ao amigny fanehoa-kevis'i Ido paminany.
Chapter 14

1Nimaty tagny amireo razambeny i Abia, dra nalevin'ereo tao amigny tanan'i Davida izy. 2Asa, zanadahiny, gny lasa pazaka nandimby gny teorany. Tamigny androny dra nangina nandrisy gny folo tao gny tany. Nanao rasy vo mary teo amason'i Yaveh zagnaharinay i asa, 3akory nalany reo alitara vahiny vo reo fitoera abo. Niravany reo andiam-bato dra nitapahiny dra boan'Aseraha. 4Nandidy an'i Joda izy ba hitalia an'i Yaveh, gny zagnahary gny razamben'ereo, vo hagnatateraky reo didy aman-dalana.5Nalany avo koa reo fitoera abo vo reo alitaranigny liti-kazo magnisy boak'amireo tanan'i Joda aby. Nisahasy teo ambaniny gny fazaka. 6Nananga tana mimanda tagny joda izy, akory nangina gny tany, dra sy nanan'aly izy tamireo tao reo,akory nagnome fedagna anazy i Yaveh.7Fa Asa nizaka tamin'i Joda ho: "Aoky isika hagnory reo tana reo dra hagnisy manda magnodidy anereo, vo tilikambo, vavahady, dra hizoso lavalava; bo asika gny tany akory fa nitalia an'i Yaveh zagnaharinsika isika. Fa nitalia anazy isika, dra nagnome fedagna isika tamigny lafiny aby Izy." Dra nagnory ereo dra nahomby. 8Nana tafiky raiky ze nihazo apinga vo lefo i Asa; boak'amin'i Joda dra nana lelahy 300. 000 izy, dra boak'amigny Benjamina, lelahy 280. 000ze nita apinga vo sipiky. Natazaky reo aby reo, lelahy be heri-po.9Dra Zera gny Etiopiana avy nanohisy anereo niaraky tamigny tafiky maramila ray tapitrisa vo kalesy telo-zato; boak'agny Maresa izy. 10Dra niboaky hiseza anazy i Asa, dra nandamy gny laharan'aly tagny an-dohasakan'i Zefata tagny Maresa ereo. 11Nitalao tamin'i Yaveh, Zagnahariny i Asa, dra nanao anizahoky ho: "Ry Yaveh, sy misy afa-sy Hanao gny hagnapy ze sy mana-kery gny fa miatriky raha maro izy. Apio Izahay, ry Yaveh Zagnaharinay, akory mmiatehisy aminao zahay, dra amigny agnaranao gny hahaavianay hanohisy reo maro be reo. Ry Yaveh, hanao gny Zagnaharinay; ka anga ho resinigny olo Hanao."12Dra namely reo Etiopiana teo agnatrehan'i Asa vo Joda i Yaveh; dra nienga reo Etiopia. 13Nagnitriky anereo hatragny Jerara i Asa vo reo maramila niaraky taminazy. Noho izay dra Etiopiana maro gny lavo dra sy afaky narovan'ereo, akory ringa tateraky teo agnatrehan'i Yaveh vo gny tafiny ereo. Ninday babo maro be gny tafiky. 14Naringanigny tafiky reo tana aby nagnodidy an'i Jerara, akory avy tamireo poniny gny horohoron'i Yaveh. Nobabonigny tafiky reo tana aby, dra nisy babo maro tao amin'ereo. 15Naringan'ireo tafiky avo koa reo fonegnan-dain'ireo piamby pifindra mony; ninday agnondr maro, vo rameva ereo, dra boak'eo nihery tagny Jerosalema.
Chapter 15

1Avy tamin'i Azaria zanadahin'i Odeda gny fagnahin'Agnahary. 2Niboaky hiseza an'i Asa izy dra nanao taminazy ho: "Tenoy zaho, ry Asa, vo Joda dra gny Benjamina aby: momba andrareo Yaveh, raha miaraky aminazy handrareo. Raha mitalia anazy handrareo, dra ho hitandrareo Izy; fa raha mahafo anazy handrareo, dra hafony.3DRa nandrisy gny fotoa naharisy, dra sy nana gny Zagnahary mary gny Israely, sy nana pisoro napianasy, dra sy nana gny lalana. 4Fa gny fa nitoliky tamin'i Yaveh, gny zagnaharin'Israely ereo tamigny andro-pahorian'ereo, dra nitalia anazy, dra hitan'ereo izy. 5Tamizay fotoa zay dra sy nisy fedanga ho an'ize nandeha lavisy, na ho an'ize nandeha nagnatiky; fa koa, fikorotagna lahibe gny tamireo poninigny tany aby.6Potipotiky ereo, firenena nanohisy firenena, dra tana nanohisy tana, akory napizalin'Agnahary tamireo karaza fizalia aby ereo. 7Fa mahereza, dra ka anga halemy gny tagnandrareo, fa ho valia soa gny asandrareo."8Gny fa ren'i Asa reo zaka reo, gny faminanian'i Odeda paminany, dra nana heri-po izy dra nangalaky anireo raha mahasiravy hiala tamigny zakan'i Joda vo Benjamina aby, dra tamireo tana ze babony boa'amigny tanyhavoan'i Efraima, dra nagnery namboasy gny alitaran'i Yaveh izy, ze teo anoloanigny lavaranginy gny tragnon'i Yaveh. 9Navory gny Joda vo gny Benjamina aby, vo reo ze nizano niaraky tamin'ereo__olo boak'amin'i Efraima vo Manase, dra boak'amin'i Simeona. Fa maro an'isa ereo gny nagnato anazy vy agny Israely, gny fa hitan'ereo fa nomba anazy Yaveh zagnahariny.10Noho izay dra niara-nivory tao Jerosalema ereo tamigny fahatelonigny vola, tamigny faha-dimy ambiny folo tao nazakan'i Asa. 11Nanao soro ho an'i Yaveh tamigny ilany tamireo babo ze nandesin'ereo tamizay andro zay ereo: agnomby fitozato vo agnondry aman'osy fito arivo.12Nanao fifagneke ba hitalia an'i Yaveh, gny Zagnahariny gny razambeny ereo, tamigny fon'ereo manotolo vo tamigny fagnahin'ereo manotolo. 13Nagneky ereo fa na iza na iza nanda gny hitalia an'i Yaveh, gny Zagnaharin'Israely, dra tokony vono ho maty, na kely na lahibe gny olo, na lelahy na apela.14Niania tamin'i Yaveh tamigny feo abo, tamigny kioky, vo tamigny tropetra vo azomara ereo. 15Niravoravo tamigny fianiana gny Joda aby, akory niania tamigny fony manotolo ereo, dra nitalia fatrasy an'Agnahary, dra hitan'ereo Izy. Namen'i Yaveh fedanga gny magnodidy anereo aby.16Nalany sy ho pazaka vavy avo koa Imaka, nenibeny, akory nanao sari-raha mahasiravy tamigny baon'Aseraha izy. Nitapahin'i Asa gny sari-raha mahasiravy, nihisahiny ho vovoky dra noroany teo amigny lohasakan-driaky Kidrona izay. 17Kanefa reo fitoera abo sy nala tao Israely. Na izay aza, feno fanolora-tegna tateraky gny fon'i Asa tamigny androny aby. 18Nizaka tao atragnon'i Yaveh reo rahany gny babany vo reo rahany manoka ze an'i Yaveh: Volafosy vo reo raha volamena. 19Sy nisy aly sasy hatramigny fahadimy amby telo-polo tao nazakan'i Asa.
Chapter 16

1Tamigny fahaenina amby telopolo tao nazakan'i Asa, i Basa, pazakan'Israely, dra naneho herisetra nonohisy an'i Joda dra nananga an'i Rama, ba sy hamely an'iza na iza hiala na hilisy ao amigny tanin'i Asa, pazakan'i Joda.2Dra ninday gny volafosy vo volamena niboaky gny efitragno fitehiriza tao amigny tragnon'i Yaveh vo gny tragnonigny pazaka i Asa, dra nandefa anizay tagny amin'i Beni-hadada pazakan'i Syria, ze nipetraky tagny Damaskosy. Hoy izy ho: 3"Aoky hisy fifagneke eo aminahy vo aminao, manahaky gny nisian'izay teo amigny babako vo gny babanao. Ingo, nandefa volafosy vo volamena taminao zaho. Ravao gny fifagnekenao amin'i Basa, pazakan'Israely, ba hahafahany magnenga anahy irery."4Niteno an'i Asa Pazaka i Beni-adada ka nandefa reo mpifehy gny tafiny hanohisy reo tananan'Israely. Nanafiky an'i Iona , Dana, Abela-maima, dra reo tana fagnazan'i Naftaly aby anereo.5Dra nahare aby anizay i Basa , dra nazanony gny fanangana an'i Rama, dra nampisahatra gny asany.6Dra nalan'i Asa Pazaka niaeaky taminazy gny Joda aby.Nandesin'ireo gny vato vo reo hazon'i Rama ze nananganan'i Basa gny tana.Dra nampiasan'i Asa nagnoregna an'i Geba vo Mizpa zay fitova fanangana anizay.7Tamin'izay fotoa zay i Hanany mpahita nagnagny amin'i Asa, Pazakan'i Joda, ka nanao taminazy ho:''Satria ianao niatehisy tamy gny Pazakan'i Syria, fa sy niatehisy tamin'i Yaveh Zagnaharinao, dra nipotaky laha teo an-tananao gny rafiky gny Pazakan'i Syria.8Moa se reo Etiopiana vo reo Lobita sy tafiky lahibe, miaraky amy kalesy vo mpitikisy sovala tena maro?Kanefa, satria ianao niatehisy tamin'i Yaveh, dra nagnome anao gny fandrese teo amin'ereo izy.9Fa mason'i Yaveh dra mandeha egny aby manera gny tany manotolo, ba hahafahany maneho gny vatany ho mahery ho an'ireo ze mana fo avy lafasy manoloa anazy . Fa nanao adala tamin'izay raha zay ianao. Koa manomboky eto,dra hana aly ianao.''10Dra ory taminigny mpahita i Asa;nigadrany izy, satria ory taminazy noho zay raha zay izy. Tamin'izay fotoa zay avo , dra nampahory gny sasany tamin'ereo vahoaky i Asa.11Ingo, reo asan'i Asa, hatraminigny volohany hatramy farany , dra ingo, fa voasorasy ao amy bokin'ireo Pazakan'i Joda vo Israely reo.12Tamy fahasivy amby telopolo tao nazakany , dra narary gny tombon'i Asa;nahery vaiky tokoa gny aretiny. Na zay avo anefa, dra sy nitalia fagnampia laha tamin'i Yaveh izy, fa tamin'ireo mpisabo avo.13Nimaty tagny amin'ireo razambeny i Asa;maty tamy faharaiky amby efapolo tao nazakany izy.14Nalevin'ereo tao amy lolo avo izy, zay nihaliny ho anazy tao amy tananan'i Davida. Nampndrian'ereo teo agnabony fandria feno fofo magnisy vo karaza raha-magnisy nomanin'ereo mpahay raha-magnisy izy. Dra nanao afo lahibe izy reo ba ho voninahisy ho anazy.
Chapter 17

1Josafata zanadahin'i Asa dra avy Pazaka nandimby anazy.Nampatazaky gny vatany hanohisy an'Israely i Josafata.2Nametraky tafiky tamin'ireo tana mifefin'i Joda aby izy, dra nametraky miaramila tagny amin'ereo tanin'i Joda vo tagny amin'ereo tananan'i Efraima, zay nibaboin'i Asa rany.3Nomba an'i Josafata i Yaveh satria nandeha tamin'ireo lalan'i Davida rany volohany izy, dra sy nitalia reo Bala.4Fa nahatoky any Zagnahary gny rany izy, dra nandeha tamin'ireo didiny, fa sy ba tamy fitondra-tegnan'Isrraely.5Dra napetrak'i Yaveh teo an-tagnany gny fanapaha ;nagnome voninahisy an'i Josafata gny joda aby. Nana hanagna vo voninahisy be izy. 6Gny fony dra natao ho an'ireo lalan'i Yaveh.Nangalaky reo fitoera abo vo baon'Asaraha tagny Joda avo koa izy.7Tamy tao fahatelo nazakany dra nagniraky an'i Benaila, Obadia , Zakaria, Netanela dra i Mikaia manam-pahefany izy, ba hampianasy agny amin'ireo tananan'i Joda. 8Niaraky tamin'ereo koa reo Levita:dra i Semaia, Netania, Zebadia, Asahela, Semiramota, Netania, Adonia, Tobia, dra Tob-adonia;dra niaraky tamin'ireo i Elisama vo Jorama mpisoro.9Nampianasy tagny Joda ereo, dra nana gny bokiny lalan'i Yaveh niaraky taminazy. Nandeha nanera gny tanann'i Joda aby ereo dra nampianasy teo amy vahoaky.10Nilasaky tamin'ireo fazakany tany aby ze nagnodidy an'i Joda gny horohoro an'i Yaveh, ba sy hiasian'ireo aly amin'i Josafata.11Gny Filistina gnilany ninday fagnomeza ho an'i Josafata, vo volafosy ho fagnomezam-boninahisy . Reo Arabo koa dra ninday agn'ondry vo osy ho anazy, agn'ondrilahy 7 700 dra osilahy 7 700.12Avy tena nahery i Josafata. Nagnory fiarova fatrasy vo tana fignaza tao Joda izy.13Izy dra nana fitova maro tao an-tananan'i Joda, vo miaramila -matazaky, lelahy mahery fo-tagny Jerosalema.14Tahoky gny listan'ereo , milahasy araky reo agnarany ankohon-dran'ereo:Laha tagny Joda, reo mpifehy gny agn'arivony;Adna mpifehy , dra niaraky taminazy gny lelahy mpialy 300 000; 15tao afarany i Johanana mpifehy, dra niaraky taminazy gny lelahy 280 000;16tao afarany i Amasia zanadahin'i Yaveh;dra niaraky taminazy gny lelahy mpialy 200 000.17Laha tamin'i Benjamina;dra i Eliada lelahy natazaky tamy herim-po , dra niaraky taminazy gny mitam-pialia 200 000 niaraky tamin'ereo sipika vo reo ampianga;18magnaraky anazy i Jozzabada, dra niaraky taminazy reo 180 000 vonona ho amy aly.19Reo gny nanompo gny Pazaka, ankoasy reo napetraky gny Pazaka tamin'ireo tana mifefy nanerana an'i Joda aby.
Chapter 18

1Dra Josafata nana hanagna vo voninahisy be; izy dra nihavana tamin'i ahaba tamy nanambaliany tao raiky amy fianakaviany zanakapelany.2Tao maromaro tatio afara , dra nizoso tagny amin'i Ahaba tagny tany Samaria izy.Namono agn'ondry vo osy maro ho anazy vo reo olo niaraky taminazy i Ahaba. Nandresy lahasy anazy ba hanafiky an'i Ramota Gileada hiaraky aminazy koa Ahaba.3Hoy Ahaba, Pazakan'Israely, tamin'i Josafata, Pazakan'i Joda ho:''Handeha hiaraky aminahy ho agny Ramota Gileada se anao?''Namaly anazy Josafata ho:''Manahaky anao avo zaho, dra gny vahoakiko dra manahaky gny vahoakinao; hiaraky amindrareo agny amy aly zahay.''4Hoy Jesafata tamy Pazakan'Israely ho:''Ba taliavo aloha gny zakan'i Yaveh ho amy vali-zakanao.''5Laha teo gny Pazakan'Israely nampivory reo mpaminany, lelahy efa-zato, ka nizaka tamin'ereo ho:''Tokony handeha hialy agny Ramota Gileada se isika, sa aha?Hoy izy reo ho:''Tafiho, fa Zagnahary hagnome anizay eo an-tanany Pazaka.''6Saiky hoy Josafata ho:''sy bo misy mpaminan'i Yaveh hafa ze afaky hangalasika hevisy se eto?''7Hoy gny Pazakan'Israely tamin'i Josafata ho:''Bo misy lelahy raiky ze afaky hangalasika gny hevisin'i Yaveh, dra Mikaia zanadahin'i Jimla, saiky halako izy satria sy naminany soa nahakasiky anahy mihisy izy, fa rasy avo . ''Fa hoy Josafata ho:''Sy tokony hizaka anizay gny Pazaka.''8Laha teo nitoka manam-pahefa gny Pazakan'Israely dra nizaka ho:''Andeso malaky i Mikaia zanadahin'i Jimla.''Dra samby nipetraky tamigny seza fiandriana aby i Ahaba pazakan'Israely vo Josafata pazakan'i Joda, nitafy gny akazo lavan'ereo, teo amigny toera malalaky anoloanigny fidira gny vavahadin'i Samaria, dra gny paminany aby dra naminanany teo agnatrehan'ereo. 10Zedekia zanadahin'i Kenana dra namboasy tandroky vy ho anigny vatany dra nizaka ho: "Izao gny zakan'i Yaveh: Amireo gny hanotoa reo Syriana mandra-pahalevon'ereo." 11Nitovy faminania reo paminany aby, nanao anizahoky ho: "Tafiho Ramota Gileada dra takaro, fa namen'i Yaveh teo atagnanigny pazaka zay."12Gny iraky ze nandeha nitoka an'i Mekaia nizaka taminazy, nanao anizahoky ho: "Ingo izao, gny zakan'ireo paminany dra magnambara raha soa amigny pazaka amigny feo toka. Aoky gny zakanao hanahaky gny zakanigny raiky amin'ereo dra hizaka raha soa." 13Namaly Mikaia ho: "Raha bo velo koa Yaveh, dra ze raha zakan'Agnahary gny hotaliliko." 14Gny fa avy tagny amigny pazaka izy, dra hoy gny pazaka taminazy ho: "Ry Mikaia, tokony handeha hialy agny Ramota Gileada ra isika, sa aha?" Namaly anazy Mikaia ho: "Tafiho dra mandresia! Fa ho fandrese lahibe zay."15Boak'eo gny pazaka nizaka taminazy ho: "Ipiry gny hapianiagnako anao sy hizaka afa-sy gny mary aminahy amigny agnaran'i Yaveh?" 16Dra hoy Mikaia ho: "Nahita gny Israely aby niparitaky tegny amireo tendrombohisy zaho, manahaky gny agnondry sy misy piamby, dra hoy Yaveh ho: 'Sy mana piamby agnondry reo. Aoky gny lelahy aby hihery apilamina agny atragnony."'17Noho izay dra hoy gny pazakan'Israely tamin'i Josafata ho: "Sy fa nizaka anao ra zaho fa izy dra sy haminany soa mahakasiky anahy, fa loza avo?" 18Boak'eo dra hoy Mikaia ho: "Noho izay handrareo aby dra tokony hiteno gny zakan'i Yaveh: Nahita an'i Yaveh nipetraky teo amigny seza fiandrianany zaho, dra gny maramilanigny lagnisy aby nizoro teo akavanany vo teo akaviany.19Hoy Yaveh ho: 'Iza gny hitao an'i Ahaba, pazakan'Israely, ba hahafahany hiakasy agny Ramota Gileada dra ho lavo agny?' Gny raiky nizaka anizao dra gny hafa nizay anizay.20Tafaran'izay dra nisy fagnahy nandroso dra nizoro teo anoloan'i Yaveh vo nizaka ho: 'Hitao anazy zaho' Hoy Yaveh taminazy ho: 'Amigny fomba akory?' 21Dra namaly gny fagnahy ho: 'Hiboaky zaho dra ho lasa fagnahy pavandy ao am-bavan'ireo paminany aby.' Namaly Yaveh ho: 'Hitao anazy hanao, dra hahomby koa handrareo. Ko amizao mandehana dra atovy izay.'22Ingo dra amizao, Yaveh nametraky fagnahy pavandy tao am-batrangaran'ireo paminaninao reo, dra Yaveh nandidy loza ho andrareo."23Dra avy i Zekedia zanadahin'i Kenana, namelaky gny takolak'i Mikaia, dra nizaka ho: "Teza gny lala nialanigny fagnahin'i Yaveh taminahy ba hizaka aminao?" 24Hoy Mikaia ho: "Ingo, ho fataao izay amizay andro zay, gny fa mihazakazaky niafy agny amigny efitragno agnatiny ilany hanao."25Nizaka tamigny panopo ilany gny pazakan'Israely ho: "Samborindrareo vahoaky i Mikaia dra andeso ho agny Amona, gny governoranigny tana izy, vo agny amin'i Joasy, zanadahiny. 26Handrareo vahoaky hizaka aminazy ho: 'Hoy gny pazaka ho: apidiro agny apoza io lelahy io dra fahano mofo vo rano kely izy, mandra-piheregnako soa ama-sara."' 27Boak'eo Mikaia nizaka ho: "Raha tafahery soa ama-sara hanao, dra sy nizaka tamigny alalako Yaveh." Dra bo napiany ho: "Tenoy zay, handrareo ry vahoaky aby."28Dra vniakasy hanohisy an'i Ramota Gileada i ahaba, Pazakan'Israely, vo Josafata , Pazakan'i Joda.29Hoy gny Pazakan'Israely tamin'i Josafata ho:'Hiova tava zaho dra handeha ho amy aly, fa hatovy gny akazo lavany Pazaka.''Koa dra niova nanao olon-kafa gny Pazakan'Israely, dra nandeha tagny amy aly izy reo.30Dra gny Pazakan'i Syria dra nandidy reo Kapitenin'ireo kalesiny, nanao ho:''Ka manafiky reo miaramila manan-kaza na sy manan-kaza . Fa gny Pazakan'Israely avo gny tafiho.''31Dra fa gny nahita an'i Josafata reo kapiteniny kalesy dra hoy izy reo ho:''Igny gny Pazakan'Israely.''Nihery ba hanafiky anazy izy reo , saiky nikoraky fatrasy Josafata, dra namozy anazy Yaveh.Navalik'Agnahary niala taminazy izy reo.32Dra fa gny hitan'ireo mpihehy gny kalesy fa sy gny Pazakan'Israely gny izy, dra nihery tamy fanendreha anazy izy reo.33Saiky nisy lelahy raiky nisitony gny zana-sipikany dra nitifisy gny Pazakan'Israely teo anelanelany fifandraisa fiarovany. Laha teo Ahaba nizaka tamy mpinady kalesiny ho:''Mitoliha dra andeso miboaky gny aly zaho, fa marasy fatrasy.''34Niharasy gny aly tamin'io andro io , dra gny Pazakan'Israely dra niandry tao amy kalesiny nifanandrify tamin'ireo Syriana mandra-paharivany andro. Mandra-piletiky gny masoandro, dra maty izy.
Chapter 19

1Nihery soa ama-sara tagny atragnony tagny Jerosalema i Josafata pazakan'i Joda. 2Boak'eo Jeho zanadahin'i Hanana, gny pahita, niboaky hiseza anazy dra nizaka tamin'i Josafata pazaka ho: "Tokony hagnapy gny rasy fagnahy ra hanao? Tokony hitia reo ze malaiky an'i Yaveh ra hanao? Noho izay asa izay, dra ao aminao gny hasiaha boak'amin'i Yaveh. 3Na izay aza, dra bo misy soa hita ao agnatinao, fa nalanao hiala gny tany reo baon'Aseraha, dra fa nanefy gny fonao hitalia an'Agnahary hanao."4Nony tao Jerosalema i Josafata; dra niboaky hitety gny vahoaky ndraiky izy hatragny Beriseba dra hatragny amigny tany havoan'i Efraima dra ninday anereo nihery tagny amin'i Yaveh, gny Zagnahary gny razamben'ereo. 5Nametraky pisara tagny amigny tany nanera reo tana mimanda aby tagny Joda izy, isaky gny tana.6Hoy izy tamireo pisara ho: "Hevero ze tokony hataondrareo, akory sy misara ho an'olo handrareo, fa ho an'i Yaveh; momba andrareo Izy amigny asa-pisara. 7Ko amizao, aoky ho amindrareo gny tahosy an'i Yaveh. Mitandrema gny fa misara handrareo, fa sy ba misy heloky amin'i Yaveh zagnaharisika, na fagnatia tavan'olo na fitakara kolikoly."8Ko, nandresy gny ilany tamireo Levita vo reo pisoro, dra gny ilany tamireo pitariky gny tragnon-drazan'Israely tao Jerosalema i Josafata, ho amigny fagnatateraha gny fisara ho an'i Yaveh, dra ho amireo fifandira. Nitoby tao Jerosalema ereo. 9Napianasy anereo, nanao anizahoky ho: "Tokony hanopo an'i Yaveh apagnaza, apatokia, dra amigny fondrareo manotolo handrareo.10Na ombia na ombia avy amindrareo gny fifandira amireo rahalahindrareo ze mony agny amigny tanan'ereo, na makasiky gny fandasahan-dio, na momban'ireo didy aman-dalana, dra apitandremo ereo, ba sy ho lasa ory eo agnatrehan'i Yaveh ereo, raha sy zay dra ho avy amindrareo vo amireo rahalahindrareo gny haoria. Izay gny tokony hataondrareo ba sy ho ory handrareo.11Ingo, Amaria pisorom-be gny eo amindrareo amigny raharahan'i Yaveh aby. Zebadia zanadahin'i Ismaela, pitariky gny taranak'i Joda, gny miandrekisy gny raharahanigny pazaka aby. Reo Levita avo koa dra ho mana-pahefa hanopo andrareo. Mahereza dra araho reo torolalandrareo reo, dra Yaveh anie homba an'ireo ze soa."
Chapter 20

1Dra tafaran'izay, dra avy nanohisy an'i Josafata reo vahoakin'i Moaba vo Amona, dra niaraky tamin'ereo gny Monita ilany. 2Dra avy gny ilany nizaka tamin'i Josafata, nanao anizahoky ho: "Maro be reo ho avy hanohisy anao boak'agny an-dafinigny Ranomasy maty, boak'agny Edoma. Ingo, ao Hazezo-tamara ereo," ze Enjedy.3Lasa natahosy vo napizaha gny vatany ba hagnety an'i Yaveh i Josafata. Nitalily fifalia-kany eran'i Joda aby izy. 4Niara-niango hialy an'i Yaveh gny Joda aby; avy hitalia an'i Yaveh tagny amireo tanan'i Joda aby ereo.5Dra Josafata nisanga teo amy fiangonan'i joda vo Jerosalema, tao an-trgnon'i yaveh, teo anoloany kiaza vaovao.6Hoy izy ho:''Ry Yaveh, gny Zagnahar'ireo razambenay, sy ianao se gny Zagnahary gny lagnisy?Sy ianao se gny mpanapaky eo amin'ereo fazakany firenena iaby?gny hery vo gy fahefana dra eo an-tagnanao , koa sy misy afaky hahatohisy anao.7Ry Zagnaharinay,sy ianao se gny nandroaky gny mpony teto amin'itio tany itio nanoloa an'Israely olonao, vo nagnome anizay mandrakizay ho an'ireo taranak'i Abrahama?8Mony tao amin'izay vo nagnory fitoera masy tao ho agny agny agnaranao izy reo, nanao ho:9'Raha avy eto aminay gny loza-gny sabasy, gny fisara, na arety, na mosary-dra hisanga eo anoloan'itio tragnony itio , vo eo anoloanao zahay (fa ato amy itio tragno itio gny agnaranao), dra hitomagny anao zahay amy fahorianay, ka hahare vo hamozy anay ianao.'10Dra ingo, indreo dra reo vahoakin'i amona, Moaba, dra gny tendrombohisy Seira ze sy nanganao ho tafihin'Israely fa gny niboaky laha tagny amy tany Egypta izy reo;fa niala tamin'ireo gny Israely dra sy nandrava anazy reo.11Ingo gny fomba hanonerany asika; avy handroaky asika hiala ao amy taninao ze nomenao ho lovanay izy reo.12Ry Zagnaharinay o, sy hisara anazy reo se Ianao?Fa sy mana hery hanohera anizay tafiky lahibe avy hanohisy anay zay zahay.Sy fatanay ze tokony hatao, fa gny masonay dra agny aminao.''13Nisanga teo anoloan'i Yaveh gny Joda aby, niaraky tamin'ereo mandinik'ereo, reo valiny , vo reo zanany.14Dra teo agnevony fiangona, gny avy tamin'i Jahaziela, zanak'i Zakaria, zanak'i Benaia, zanak'i Jeiala, zanak'i Matania, gny Levita, raiky tamin'ireo zanak'i Asafa gny fagnahin'i Yaveh.15Hoy Jahaziela ho:''Tenoy, ry Joda iaby vo gny mponian'i Jerosalema, dra ry Josafata Pazaka. Zao gny zakan'i Yaveh amindrareo ho:'Ka matahosy ;ka kivy noho zay tafiky lahibe zay, fa sy ho andrareo gny aly, fa ho agn'Agnahary.16Sy maisy hizoso hanohisy anazy reo iandrareo maray.Ingo, hiakasy amy lala miriosy agny Ziza izy reo. Hahita anazy reo eo amy farany lohasaha iandrareo, eo alohany efisin'i Jeroela. 17Sy mila mialy amin'izay aly zay iandrareo.Mizoroa eo amy fitoerandrareo, mizanogna , ka hatio gny famozean'Yaveh andrareo, ry Joda vo Jerosalema. Ka matahosy na kivy. Miboaha hanohisy anazy reo maray , fa Yaveh hitahy andrareo.'''18Nampandohaliky gny tavany teo amy tany i Josafata. gny Joda iaby vo gny mponin'i Jerosalema dra niondriky teo anoloan'i Yaveh, nihoby anazy. 19Reo Levita, vo reo taranaky gny Kehatita vo Koraita, nisanga ba hidera an'i Yaveh , gny Zagnahary gny Israely, tamy feo mahery.20Bo maraindraim-be dra nisanga izy reo ka noboaly nagnagny amy efisin'i Tekoa. Raha niboaky igny izy reo, dra nisanga Josafata dra nizaka ho:''Mitenoa anahy, ry Joda, vo iandrareo mponin'i Jerosalema! MInoa an'i Yaveh Zagnaharindreo, dra ho tohana iandrareo. Matokia an'ireo mpaminaniny, dra hahomby hiandrareo .''21Fa gny nagnontany gny olo izy , dra nanendry reo tokony hihira ho an'i Yaveh vo hidera anazy noho gny voninahiny masy izy, raha niboaky nialoha gny tafiky izy reo, dra nanao ho:''Misaora an'i Yaveh, fa maharisy mandrakizay gny famin-dram-pony.''22Fa gny nanomboky nihira vo nanompo izy reo, dra nametraky lelahy hamely tampoky gny vahoakin'i Amona, vo Moaba, mdra gny tendrombohisy Seira, zay avy hanohisy an'i Joda i Yaveh. Dra resy izy reo.23Dra nisanga hialy hanohisy gny mpony laha tao an-tendrombohisy Seira gny vahoakin'i Amona vo Moaba, ba hamono tateraky vo handringa anazy reo. Fa gny vitan'ereo gny amy mponiny ao an-tendrombohisy Seira, dra hifamono izy reo.24Raha avy laha teo amy toera fitazana gny efisy gny Joda, dra nagnety gny tafiky izy reo. Ingo,fa maty izy reo,lavo tamy tany;sy nisy afa-nandososy.25Raha avy handroba teo amin'ereo Josafata vo gny vahoakiny , dra nahita raha maro be, akazo , vo fitova sarobily, zay nalany ho anazy reo,mihoasy noho zay azon'ereo nandesy.Naharisy hateloa gny fandroban'ereo, fa be loasy zay gny teo. 26Tamy andro fahefasy dra nivory teo amy Lohasahan'i bereka izy reo. Tagny gny nideran'ereo an'i Yaveh, ka natao ho''Lohasahan'i Bereka''gny agnaran'izay toera zay mandrak'androany.27Dra nihery izy reo , gny olo aby tao Joda vo Jerosalema, dra tao amy fignazan'ereo i Josafata, ba handeha hagnagny Jerosalema am-pifalia draiky, fa Yaveh fa nampifaly anazy reo teo amin'ireo fahavalony. 28Laha tagny Jerosalema vo tao an-tragnon'i Yaveh niaraky tamin'ereo lokanga, valiha, dra trompetra izy reo.29Gny horohoron'Agnahary dra teo amin'ireo fazakany firenena iaby raha nahare izy reo fa Yaveh dra nitalia hanohisy reo fahavalon'Israely.30Ka dra nangina gny fazakan'i Josafata, satria nagnome fiadana anazy nagnodidy anazy aby gny Zagnahariny.31Nazaka teo amy Joda i Josafata:dimy amby telo-polo tao izy raha nanomboky nazaka, dra nazaka dimy amby ro-polo tao Jerosalema izy. Gny agnaran-dreniny dra Azoba, zanakapelan'i Sily.32Nandeha tamin'ireo lalan'i Asa rany izy;dra sy niala taminigny ;nanao ze mary teo amason'i Yaveh izy.33Na zay avo, sy niravany reo fitoera abo.Gny vahoaky dra sy bo nitariky gny fon'ereo ho amy Zagnahary gny razamben'ereo.34Dra raha gny amin'ireo raha hafa mahakasiky an'i Josafata, volohany sady farany, ingo, izy reo dra fa voasorasy ao amy tataran'i Jeho zanak'i Hanany, zay voarakisy asorasy ao amy bokon'ireo Pazakan'Israely.35Dra tafaran'izay Josafata, Pazakan'i Joda dra niray hina tamin'i Ahazia, Pazakan'Israely, zay nanao faharasia maro.36Niray hina taminazy izy ba hagnamboasy sambo handehana agny Tarsisy. Tao Ezion-gabera gny nagnamboaran'ereo gny sambo.37Dra Eliezera zanak'i Dodavaho laha tagny Maresa, dra naminany hamely an'i Josafata;hoy izy ho:''Satria fa niray hina tamin'i Ahaza ianao, dra niravan'i Yaveh reo tetikasanao.''Nirendriky gny sambo ka sy afaky niondra gny sambo izy reo.
Chapter 21

1Nimaty tagny amireo razambeny i Josafata dra nalevy niaraky tamin'ereo tao amigny tanan'i Davida; Jehorama, zanadahiny, gny lasa pazaka nandimby gny toerany. 2Nana rahalahy i Jehorama, zanak'i Josafata: dra Azaria, Jehiela, Zakaria, Azaria, Mikaela, dra Sefatia. Zanadahin'i Josafata, pazakan'Israely avokoa reo. 3Nanolosy fagnomeza volafosy, volamena, dra raha sarobily hafa maro dra maro, dra tana mimanda tagny Joda ho anereo avo koa gny babany, siky nameny an'i Jehorama gny seza fiandriana, akory izy gny lahimatoa.4Dra gny fa nisanga teo amigny fazakan-drany i Jehorama dra nametraky fatrasy gny vatany ho pazaka, dra nivonony tamigny sabasy reo rahalahiny aby, vo reo pitarik'Israely samihafa avo koa. 5Ro amby telopolo tao i Jehorama raha nanomboky nazaka, dra nazaka nandrisy gny valo tao tao Jerosalema izy.6Nandeha tamigny lalan'ireo pazakan'Israely izy, manahaky gny nataonigny taranak'i Ahaba, fa gny zanadahin'i Ahaba gny valiny, dra nanao rasy teo amason'i yaveh izy. 7Kanefa, sy nagniry gny handringa gny tarak'i davida i Yaveh, nohonigny amigny fagneke ze nataony tamin'i Davida; fa napanatena gny hagnome fiegna ho anereo taranany lalandava Izy.8Tamigny andron'i Jehorama, dra nokomy hiala tamigny fifehezan'i Joda i Edoma, dra nametraky pazaka ho eo amin'ereo. 9Dra nisaky niaraky tamireo pifehiny vo reo kalesany aby i Jehorama. Andro hariva gny niaingany vo nialiany tamireo Edomita ze nagnodidy anazy vo pifehy gny kalesiny. 10Ko fa nikomy tamigny fifehezan'i Joda mandrak'amizao i Edoma. Nikomy hiala tamigny fifehezany niaraky tamizay avo koa i Libna, akory Jehorama fa nahafo an'i Yaveh, Zagnaharin'ireo razambeny.11Fagnapin'izay, dra nagnory fitoera abo tagny amireo tendrombohis'i Joda avo koa i Jehorama, dra napiay gny ponin'i Jerosalema manahaky gny pivaro-tegna, dra ninday an'i Joda hania.12Nisy taratasy boak'amin'i Elia paminany boak'agny amin'i Jehorama. Izao gny talilin'izay: "Izao gny zakan'i Yaveh, gny Zagnaharin'i Davida, razambenao: Akory nandeha tamigny lalan'i Josafata, babanao hanao, na tamireo lalan'i Asa, pazakan'i Joda, 13fa nandeha tamigny lalan'ireo pazakan'Israely koa, dra nahaavy an'i Joda vo reo ponin'i Jerosalema hiseho manahaky gny pivaro-tegna, manahaky gny nataonigny taranak'i Ahaba__dra akory fa nivononao tamigny sabasy avo koa reo rahalahinao tao amigny fianakavian-dranao, dra reo lelahy soa noho gny vatanao 14ingo, Yaveh hamely anao, reo zanakao, vo reo valinao, dra gny harenao aby amigny areti-mandringa lahibe.15Hanao mihisy gny harary fatrasy nohonigny arety ao amigny sinainao, ambara-pahavoa gny sinainao noho gny arety, isan'andro isan'adro."16Dra napieta gny fagnahin'ireo Filistina vo reo Arabo ze nagnariny an'ireo Etiopiana hanohisy an'i Jehorama i Yaveh. 17Namely an'i Joda ereo, nagnafaky anizay, dra nangalaky reo harena aby ze hita tao atragnonigny pazaka. Nalan'ereo avo koa reo zanadahiny vo reo valiny. Sy nisy zanadahiny tavela ho anazy afa-sy i Jehoaza, zanany faralahy.18Tafaran'izay aby zay, dra namely anazy tao amigny sinainy tamigny arety sy hay sitragny i Yaveh. 19Dra tamigny fotoa voatondro, afaky ro tao, dra lavonigny arety gny sinainy, dra maty nohonigny arety namaivay izy. Sy nandrehisy afo ho voninahiny araky gny nataon'ereo ho anigny razambeny gny vahoany. 20Nanomboky nazaka gny tamigny faharo amby telo polo taony; nazaka tao Jerosalema nandrisy gny valo tao izy, dra maty sy nisy pitomagny. Nalevin'ereo tao amigny tanan'i Davida, fa st tao amigny lolonigny pazaka.
Chapter 22

1Reo panopn'i Jerosalema dra nanao na'i Ahazia, faralahin'i Jehorama, ho pazaka handimby anazy, fa gny tarik'ireo lelahy zay nindray tamin'ireo Arabo nilisy tao amigny toby dra nagnome reo zanany lahy lahibe aby. Dra Ahazia zanaky lahin'i Jehorama, pazakan'i Joda, gny avy pazaka. 2Ro amby efa-polo tao i Ahazia gny nanomboky nazaka; nazaka heritao tao Jerosalema izy. Atalia gny agnaran-dreniny;zanakapelan'i Omry izy.3Nandeha tamy lalany traanak'i Ahaba avo koa izy satria gny reniny gny mpanolosay anazy tamy fanovan-drasy.4Nanao zay rasy teo amason'i Yaveh i Ahaza, manahaky ze nataony taranak'i Ahaba, satria izy reo gny mpanolosay tafarany nahasatesan-drany, ho amy faharavany.5Nagnaraky gny torohevisin'ereo avo koa izy;nandeha niaraky tamin'i Jorama zanadahin'i Ahaba, Pazakan'Israely izy, ba hialy amin'i Hazaela, Pazakan'i Syria, tagny Ramota-gileada.Nandrasy an'i Jorama reo Syriana.6Nihery tagny Jezirela i jorama ba hagnasitrana gny rasy ze nataon'ereo taminazy tagny Rama, tamin'izy nialy tamin'i Hazaela, Pazakan'i Syria. Ka dra nizoso tagny Jezirela i Ahazia zanadahin'i Jehorama, Pazakan'i Joda, ba hagnety an'i Jorama zanadahin'i Ahaza, satria narasy i Jorama.7Dra gny faharavan'i ahazia dra nandesin'Agnahary tamy famangian'i Ahaza an'i Jorama. Fa gny avy izy, dra niaraky tamin'i Jehorama ba hanafiky an'i Jeho zanadahin'i Nimsy, zay fa nifilin'i Yaveh handrava gny taranak'i ahaba.8Dra fa gny nagnatateraky gny fisaran'Agnahary teo amy taranak'i Ahaba i Jeho, dra nahita reo mpitariky an'i Joda vo reo zanadahiny rahalahiny'i Ahazia nanompo an'i Ahazia izy.Nivonon'i Jeho izy reo.9Nitalia an'i Ahazia i Jeho;nisamborin'ereo tao am-pierena tao Samaria izy, nandesiny tagny amin'i Jeho, ka nivonony izy. Laha teo nalevin'ereo izy, fa hoy izy reo ho:''Izy dra zanadahin'i Josafata, zay nitalia an'i Yaveh tamy fony aby.''Dra sy nana fahefa hanapaky gny fazaka sasy gny taranak'i Ahazia.10Dra fa hitan'i Atalia , renin'i ahazia fa maty gny zanadahiny, dra nisanga izy drac namono reo zanak'andria fa gny tao amy taranak'i Joda.11Kanefa i Josebam zanakapelany Pazaka , nangalaky an'i Joasy, zanadahin'i Ahazia, dra nangalaky anazy teo amin'ireo zanadahiny Pazaka ze nivonony.Napetrany tao amy efitragno fandrianyv izy vo gny piteza anazy. Dra Joseba, zanakapelan'i Jehorama Pazaka, valin'i Jehoiada mpiso (fa anabavin'i Ahaza izy), nagnavony anazy tamin'i atalia, ba sy hamonoan'i Atalia anazy.12Niara-niery tamin'ereo tao an-tragnon'Agnahary nandrisy gny enin-tao izy, raha bo i Atalia gny nazaka teo amy tany.
Chapter 23

1Tamy tao faha-fito, dra nampiseho gny heriny i Joiada dra nanao fifaneke tamin'ireo mpifehy gny azatony, dra Azaria zanadahin'i Jerohama, Isimaela zanadahin'i Johanana, Azaria zanadahin'i Obeda, Mahaseia zanadahin'i Adaia, dra Elisafata zanadahin'i Zikri.2Nagnagny Joda izy reo dra namory reo Levita laha tamin'ireo tananan'i Joda iaby, vo reo loham-pianakavian'Israely, dra avy tao Jerosalema izy reo.3Nanao fifaneke tamy Pazaka tao an-tragnon'agnahary gny fiangona iaby. Hoy Joida tamin'ereo ho:Ingo, hazaka gny zanadahiny Pazaka , araky gny nizakan'i Yaveh mahakasiky reo taranak'i Davida.4Zao gny sy maisy ataondrareo:gny raiky ampahatelondrareo mpisoro vo Levita zay avy hanompo amy Sabata, dra ho mpiamby eo amin'ereo vatrangara . 5Gny ampahatelony hafa agny amy tragnony Pazaka, dra ampahatelony hafa agny amy fefiny Fotatra. Gny olo aby dra ho agny ankiazany tragnon'i Yaveh.6Ka misy olo anga magnao antragnon'i Yaveh, afa-sy reo mpisoro vo Levita ze manompo.Mahazo milisy izy reo satria voatoka. Fa gny olo hafa aby dra sy maisy mankatoa reo didin'i Yaveh. 7Sy maisy mihodidy gny mpazaka amy lafiny aby reo Levita, gny olo iaby miaraky amy fitovam-pialiany egny an-tagnany . Na iza na iza milisy ao amy tragno, dra ao izy ho vono. Miaraha amy Pazaka fa gny milisy vo miboaky izy.''8Noho zay reo Levita vo i Joda aby dra nanompo tamy fomba iaby ze nandidian'i Joiada mpisoro.Samy nangalaky reo lelahiny gny Kirairaky, reo ze ho avy hanompo amy Sabata, vo reo zay hiriosy gny fanompoa amy Sabata, satria Joida, mpisoro, dra sy ba nandroaky na iza na iza tamy fizaran'ereo. 9Laha teo Joiada, mpisoro, ninday lefo ho an'ireo mpifehy vo zanak'apinga masaiky vo lahibe zay an'i Davida Pazaka ze tao antragnon'Agnahary.10Nalahasin'i Joiada rep miaramila iaby, gny lelahy kirairaiky samy niaraky tamy fitovam-pialiany tegny an-tagnany, laha teo amy tapany havanany tempoly hatragny amy tapany haviany tempoly , nagnaraky gny alitara vo gny tempoly, nagnodidy gny Pazaka. 11Dra nandesin'ereo niboaky gny zanadahiny Pazaka, napetraky teo aminazy gny satro-boninahisy, dra nomena anazy gny lalany faneke. Dra nataon'ereo ho Pazaka izy, dra nagnososy anazy i Joiada vo reo zanadahiny. Dra hoy izy reo ho:''Ho ela velo se gny Pazaka.''12Fa gny ren'i Atalia gny tabatabany vahoaky nilomalomay vo nidera gny Pazaka, dra nagnato gny vahoaky tao an-tragnon'i Yaveh izy.13Dra nagnety izy, ka ingo, nisanga mariny teo andry teo amy filira gny Pazaka , dra teo agnilany Pazaka reo mpifehy vo reo mpisioky trompetra. Nifaly vo nisioky trompetra gny olony tany iaby, dra nitendry raha magneno vo nitariky gny hira fiderana reo mpihira . Laha teo Atalia naniasy gny ankazony dra nihiaky ho:''Mpamaliky!Mpamaliky!''14Laha teo Joida, mpisoro, ninday niboaky reo mpifehy gny azatony ze teo amy tafiky dra nizaka tamin'ireo ho:Aboaho eo agnelagnelany filahara izy' zay olo magnaraky anazy ao izy ho vono amy sabasy . ''Fa hoy gny mpisoro ho:''Ka vono ao antragnon'i Yaveh izy.''15Noho zay dra nanao lalana ho anazy izy reo, dra nandeha tamy lalany fefy sovala nagnagny amy tragnony Pazaka izy, dra tany gny namonoan'ereo anazy.16Laha teo Joiada nanao faneke tamy atany, vo gny olo aby, vo gny Pazaka , fa tokony olon'i Yaveh izy reo.17Noho zay dra nilisy tao antragnon'i Bala gny olo iaby dra nandrava anizay. Nitorotoron'ereo gny alitaran'i Bala vo reo sariny, dra nivonon'ereo teo anoloan'ereo alitara reo i Matana, mpisoron'i Bala.18Dra Joiada nanendry manam-boninahisy ho agny tragnon'i Yaveh teo ambany fehin'ereo mpisoro, zay Levita, zay nitendren'i Davida ho agny tragnon'i Yaveh, ba hanolosy fagnatisy oroa ho an'i Yaveh, araky gny voasorasy ao amy lalan'i Mosesy, niara-nifaly vo nihira, araky gny torolala nomen'i Davida.19Nametraky mpiamby teo am-bavahadiny tragnon'i Yaveh i Joiada, ba sy hisy na raiky naloto tamy fomba maro tokony hilisy.20Nandesin'i Joida niaraky taminazy reo mpifehy gny azatony , reo lelahy manan-kaza, reo governorany vahoaky, vo reo olony tany aby. Nandesiny niboaky laha tao amy tragnon'i Yaveh gny Pazaka ;nagnato laha tegny amy vavahady agnabony nagnagny amy tragnony Pazaka gny olo dra nametraky Pazaka ho eo amy seza fiandrianam-pazaka. 21Koa dra niravoravo gny olo aby tao amy tany, dra nilamy gny tana. Raha gny amin'i Atalia , dra nivonon'ereo tamy lefo izy.
Chapter 24

1Fito tao i Joasy fa gny nanomboky nazaka;nazaka nandrisy gny efapolo tao Jerosalema izy. Gny agnaran-dreniny dra Zibia, laha tagny Berisheba. 2Joasy dra nanao ze mary teo amason'i Yaveh tamy andro iaby niaignan'i Joiada, mpisoro. 3Nangalaky valy ro ho anazy i Joiada, dra niteraky zanadahy vo zanakapela izy.4Tafaran'izay, dra tapa-kevisy gny hagnery amigny loniny gny tragnon'i Yaveh i Joasy. 5Navoriny niaraky reo pisoro vo reo Levita, dra hoy izy tamin'ereo ho: "Manedana isa-tao agny amigny tanan'i Joda dra mamoria vola boak'amin'Israely aby ba hamboara gny tragnonigny Zagnaharindrareo. Atovy azo atoky fa hanomboky avy hatragny handrareo." Taminigny volohany dra sy nanao na ino na ino reo Levita.6Dra gny pazaka napitoka an'i Joiada, gny pisorom-be, dra nizaka taminazy ho: "Nagnino gny sy nasanao nandesin'ireo Levita boak'agny Joda vo Jerosalema gny hetra ze navorin'i Mosesy panopon'i Yaveh vo reo fengonan'Israely, ho amigny lainigny lalanigny fagneke?"7Fa reo zanadahin'i Atalia, gny apela rasy fagnahy, namotiky gny tragnon'Agnahary dra nagnome reo raha masin'aby tao atragnon'i Yaveh ho an'ireo Bala.8Dra nandidy gny pazaka, dra namboasy vata ereo dra nametraky anizay teo ivelanigny fidira magnao atragnon'i Yaveh. 9Gny fa izay dra nanao famboara nanera an'i Joda vo Jerosalema ereo, gny ba hindesanigny vahoaky ho an'i Yaveh gny ze navorin'i Mosesy aby panopon'Agnahary tamin'Israely tagny agnefisy. 10Dra nifaly reo pitariky vo gny vahoaky aby dra ninday vola dra nametraky anizay teo amireo vata mandra-pahafenon'ereo izay.11Isaka gny minday gny vato ho agny amigny manam-boninahisy gny pazaka reo Levita, dra isak'ize hitan'ereo fa misy vola maro ao agnatin'izay, dra avy gny panora-dalananigny pazaka vo gny manam-boninahisy gny pisorom-be, dra nagnafoa gny vata, vo nangalaky anizay dra ninday anizay hihery ho eo amigny toerany. Nanao anizay isan'andro isan'andro ereo, namory vola maro. 12Namenigny pazaka vo Joiada ho an'ireo ze nanao gny asa fanopoa teo agnatrehan'i Yaveh gny vola. Nagnarama panao tragno vo pandrafisy reo lelahy reo ba hagnery amigny loniny gny tragnon'i Yaveh, dra niasa tao avo koa reo panefy vy vo varahy.13Dra nisasasy gny piasa, dra gny asa famboara dra nandroso teo atagnan'ereo; naorin'ereo manahaky gny endriny tamigny volohany gny tragnon'i Yaveh dra nihamafisiny zay. 14Gny fa vitan'ereo, dra nizaka tagny amin'i Joiada vo gny pazaka gny ambim-bola. Izay vola zay dra hapesa hanova fanaky ho anigny tragnon'i Yaveh, reo kozakoza eti-manopo vo hanova fagnatisy__sotro vo kozakoza volamena vo volafosy. Sy nisahasy nanolosy fagnatisy oroa tao amigny tragnon'i Yaveh ereo tamigny andron'i Joiada aby.15Niha atisy vo ela andro nianiana i Joiada, dra maty izy; 130 tao izy gny maty. 16Nangan'ereo tao amigny tanan'i Davida niaraky tamireo pazaka izy, akory nanao gny soa tagny Israely, tamin'Agnahary, dra tamigny tragnon'Agnahary izy.17Dra tafaranigny nahafatesan'i Joiada, dra avy reo pitarik'i Joda dra nakato gny pazaka. Dra niteno anereo gny pazaka. 18Nahafo gny tragnon'i Yaveh, gny Zagnaharin'ireo razambeny ereo, dra nanopo reo zagnahary Aseraha vo reo sapy. Avy tamin'i Joda vo Jerosalema gny haorian'Agnahary noho izay fanovan'drasin'ereo izay. 19Nefa nagniraky paminany ho agny amin'ereo Izy ba hinday anereo hihery agny aminazy, Yaveh ndraiky; nizoro vavolombelo hanohisy gny vahoaky reo paminany saiky nanda gny hiteno ereo.20Avy tamin'i Zakaria zanadahin'i Joiada, gny pisoro gny fagnahin'Agnahary; nisanga teo agnabonigny vahoaky Zakaria dra nizaka tamin'ereo ho: "Izao gny zakan'Agnahary: nagnino gny mandika anireo didin'i Yaveh handrareo, dra sy mahita fagnambina? Ko akory nahafo an'i Yaveh handrareo, dra nahafo andrareo avo koa Izy." 21Kanefa ereo nitetiky hanohisy anazy; tamireo didinigny pazaka, dra nitora-bato anazy teo akiazanigny tragnon'i Yaveh ereo. 22Tamizay fomba zay, Joasy, pazaka, dra sy niraharaha gny hasoa-fagnahy nataon'i Joiada, baban'i Zakaria, taminazy. Fa koa, namono gny zanadahin'i Joiada izy. Gny fa maty i Zakaria, dra hoy izy ho: "Yaveh anie hahita anizao dra hamaly anao."23Dra tamigny farafaranigny tao, dra niakasy hanohisy an'i Joasy gny tafik'i Syria. Avy tao Joda vo Jerosalema ereo; nivonon'ereo gny pitarikigny vahoaky aby dra nandefa reo babo aby ho agny amigny pazakan'i Damaskosy ereo. 24Gny tafik'ireo Syriana dra avy niaraky tamigny tafiky kely, fa Yaveh gny nagnome anereo fandrese teo amireo tafiky lahibe dra lahibe, akory nahafo an'i Yaveh, gny Agnaharin'reo razamben'ereo gny Joda. Tamizay gny nisaranigny Syriana an'i Joasy.25Tamigny fotoa nadehanan'ireo Syriana, dra fa narasy fatrasy i Josy. Reo panopony avo gny nitetiky hanohisy anazy nohonigny famonoa reo zanadahin'i Joiada, pisoro. Nivonon'ereo teo ambony fandriany izy, dra maty; nalevin'ereo tao amigny tanan'i Davida izy, fa sy tao amigny lolon'ireo pazaka. 26Tahoky gny olo ze nitetiky hanohisy anazy: Dre Zabada zanadahin'i Simata, gny Amonita; dra Jozabada zanadahin'i Simrita, gny Moabita.27Amizao gny mahakasiky gny zanadahiny, gny faminania lahibe ze nizaka gny mahakasiky anazy, vo gny fagnoregna ndraiky gny tragnon'i Yaveh zagnahary, ingo, fa voasorasy ao amigny bokinigny tataranigny pazaka zay. Amazia zanadahiny, gny nazaka nandimby gny toerany.
Chapter 25

1Dimy amby ropolo tao i Amazia raha nanomboky nazaka; nazaka sivy amby ropolo tao tao Jerosalema izy. Joadana gny agnaran-dreniny, boak'ao Jerosalema. 2Nanao ze mary teo amason'i Yaveh izy, saiky sy tamigny fony manotolo.3Dra nony tafapetraky soa gny fazakany, dra namono reo panopo ze namono gny babany, pazaka izy. 4Kanefa sy namono reo zanak'ireo panopo izy, fa nanao araky ze voasorasy tao amigny lala, tao amigny bokin'i Mosesy, araky gny nandidian'i Yaveh ho: "Aoky gny rasy ho maty nohonigny zanaky, na gny zanaky maty noho gny babany. Fa koa, tokony ho maty nohonigny otany avo koa gny olo sirairay."5Ko dra, navorin'i Amizia niaraky gny Joda, dra nindray asorasy gny agnaran'ereo araky gny taranaky gny razambeny aby, teo ambanin'ireo pifehy gny arivo vo pifehy gny zato__Joda vo Benjamina aby. Nihisahiny nanomboky tamigny ropolo tao miakasy ereo, dra 300.000 reo lelahy voafaty, afaky mandeha agnaly, ze afaky mita lefo vo apinga. 6Nagnaraky lelahy pialy 100 000boak'amin' Israely avo koa izy tamigny taleta volafosy zato.7Fa nisy lelahin'Agnahary raiky avy teo aminazy dra nanao anizahoky ho: "Ry pazaka, ka anga hiaraky aminao gny tafik'Israely, akory Yaveh sy momba gny Israely__na gny vahoakin'i Efraima. 8Kanefa na dre mandeha vo mahery fo dra mahery agnaly aza hanao, dra handova anao eo agnatrehanigny fahavalonao Zagnahary, akory zagnahary dra mana fahefa hagnapy, vo fahefa handova."9Dra hoy Amazia tamigny lelahin'Agnahary ho: "Ko ino zay gny ataonay momba reo taleta zato ze fa nameko ho anigny tafik'Israely?" Gny lelahin'Agnahary namaly ho: "Yaveh dra afaky magnome anao maro mihoasy noho izay." 10Dra nisoratin'i Amazia gny tafiky boak'aminazy vo gny boak'amin'i Efraima; dra nasany noly ndraiky ereo. Ko nirehisy fatrasy tamin'i Joda gny hasiahan'ereo, dra noly tamin-kasiaha fatrasy ereo.11Dra Amazia nana heri-po dra nitariky gny vahokiny niboaky gny Lohasakan-driaky; tao gny nandreseny reo lelahy ray aly boak'agny Seira. 12Nisambo-belo reo ray aly hafa gny tafik'i Joda. Nandesin'ereo tagny ataponigny haram-bato ereo dra naheriny boak'egny, ba hamotipoteha anereo aby.13Fa reo lelahinigny tafiky ze naherin'i Amazia, ba sy handehanan'ereo miaraky aminazy agny agnaly, dra nanafiky reo tanan'i Joda hatragny Samaria dra hatragny Beti-horona. Nandova vahoky telo arivo vo nangalaky babo maro ereo.14Dra gny fa tafahery boak'amigny famonoa gny Edomita i Amazia, dra ninday reo zagnahariny gny vahoakin'i Seira, vo nametraky anereo ba ho zagnahariny manoka izy. Niakohoky teo anoloan'ireo izy dra nagnoro liti-kazo magnisy ho an'ireo. 15Noho zay dra nirehisy tamin'i paminany ho agny aminazy Izy, ze nanao anizahoky ho: :Nagnino hanao gny nitalia reo zagnahariny gny vahoaky ze sy nahavozy reo vahoany teo atagnanao akory?"16Dra raha bo nizaka taminazy gny paminany, dra hoy gny pazaka taminazy ho: "Moa ra izahay fa nanao anao ho panolo-sainigny pazakan? Aoky zay! Nagnino hanao gny tokony ho vono?" Dra nizano gny paminany dra nanao anizahoky ho: "Fataro ga nanapa-kevisy gny handrava anao zagnahary akory nanao anizay asa zay hanao dra sy niteno gny toroheviso."17Dra nitalia hevisy tamireo panolo-say i Amazia, pazakan'i Joda dra nagniraky pinday hafasy tagny amin'i Joasy zanadahin'i Johaza zanadahin'i Jeho, pazakan'Israely, nanao anizahoky ho: "Avia, aoky isika hifagnatri-tava amigny aly."18Kanefa i Joasy pazakan'Israely nagnery reo pinday hafasy ho agny amin'i Amazia pazakan'i Joda, nanao anizahoky ho: "Silo raiky tagny Libanona nandefa hafasy tamina sedera raiky tagny Libanona, nanao anizahoky ho: 'Ameo ho valinigny zanadahiko gny zanakapelanao,' kanefa nisy bibidia raiky avy tagny Libanona nandeha teo dra nagnosihosy gny silo. 19Hanao fa nanao anizahoky ho: 'Ingo, fa nandavo an'i Adoma zaho,' dra gny fonao gny napirehareha anao. Mireharehava amigny fandresenao, nefa mitoera avo agny atragno, fa nagnino hanao gny tokony hiteraky korota vo fahalavoa, ho anigny vatanao vo Joda miaraky aminao?"20Saiky sy niteno Amazia, akory boak'amin'Agnahary zay tranga zay, ba hahafahany manolosy gny vahoakin'i Joda ho eo atagnan'ireo fahavalony, akory fa te hihery boak'amireo zagnaharin'i Edoma ereo. 21Dra nanafiky i Joasy, pazakan'i Israely; izy vo Amazia, pazakan'i Joda, dra nifagnatri-tava tao Beti-semesy, ze an'i Joda. 22Lavo teo agnatrehan'Israely gny Joda, dra nienga noly gny lelahy aby.23Joasy, pazakan'Israely, dra nanambosy an'i Amazia zanadahin'i Joasy zanadahin'i Ahazia, pazakan'i Joda, tao Beti-semesy. Nandesiny tagny Jerosalema izy dra nandrotiky gny mandan'i Jerosalema hatragny amigny vavahady Efraima dra hatragny amigny Vavahady azorony, ze nielagnelagny efazato hakiho. 24Nalany avokoa gny volamena vo gny volafosy aby, gny raha aby ze hita tao atragnon'Agnahary niaraky tamin'i Obed-edoma, dra reo raha nanan-daza tao atragnonigny pazaka, niaraky tamireo takalon'ay avo koa, dra nihery tagny Samaria.25Amazia zanadahin'i Joasy, pazakan'i Joda, dra niay dimy ambiny folo tao tafaranigny nahafatesan'i Joasy, zanadahin'i Joahaza, pazakan'Israely. 26Raha gny amireo raharaha hafa mahakasiky an'i Amazia, gny volohany vo gny farany, ingo, moa ra ereo sy fa voasorasy tao agnatinigny bokin'ireo pazakan'i Joda vo Israely?27Dra nanomboky tamigny fotoa ze nivilian'i Amazia tamigny fagnaraha an'i yaveh, dra nanomboky nanao tetiky hagnoregna anazy tagny Jerosalema ereo. Nienga tagny Lakisy izy, kanefa ereo nagniraky lelahy nagnaraky anazy tagny Lakisy dra namono anazy tagny. 28Nandesin'ereo nihery tamigny sovala izy dra nandevy anazy niaraky tamireo razambeny tao atanan'i Joda.
Chapter 26

1Gny vahoakin'i Joda aby nangalaky an'i Ozia, ze enina ambiny folo tao, dra nanao anazy ho pazaka eo amigny toeran'i Amazia babany. 2Izy gny nagnory ndraiky an'i Elota dra nagnery nagnory izay ho an'i Joda. Tafaran'izay dra nimaty tagny amireo razambeny gny pazaka. 3Enina ambiny folo tao i Ozia gny nanomboky nazaka. Nazaka nandrisy gny ro amby dima-polo tao tao Jerosalema izy. Jekolia gny agnaran-dreniny; boak'agny Jerosalema izy.4Nanao mary teo amason'i Yaveh izy, nagnaraky gny ohasy namen'i Amazia, babany, tamigny raha aby. 5Nanolosy gny vatany ba hitalia an'Agnahary tamigny andron'i Zakaria, ze nagnome anereo torolala tamigny fakatoava an'Agnahary izy. Raha bo nitalia an'i Yaveh izy, dra nagnamby anazy zagnahary.6Niboaky i Ozia dra nitalia tamigny Filistina. Niravany gny mandanigny tana tao Gata, Jabne dra Asdoda; nagnory tanan-dehibe tao amigny tanan'i Asdoda vo teo amireo Filistina izy. 7Napian'Agnahary nanohisy an'ireo Filistina izy, nanohisy gny Arabo ze nany tao Gorabala, dra nanohisy reo Meonita. 8Nandoa fagnomezam-boninahisy ho an'i Ozia gny Amonita, dra niely gny lazany, na dre hatragny amigny fidiran'i Agypta aza, akory nihanatazaky izy.9Fagnapin'izay, nagnory tilikambo tao Jerosalema i Ozia ze teo amigny Vavahady azorony, teo amigny vavahadin-Dohasaka, vo teo amigny fiodignanigny manda, dra nagnamafy ory reo. 10Nagnory tilikambo fembena tagny agnefiny izy dra nihaly pisy rano maro, akory nana biby teza maro izy, tagny amigny tany lemaky vi tagny amigny iva. Nana piteza vo pamboly voaloboky tagny amigny firenena vo tagny amigny tany vahoa vo tagny amigny saka mamokasy izy, akory tiany gny teza vo fambolena.11Fagnapin'izay, nana tafiky lelahy pialy i Ozia zay niboaky isam-bondro ba hialy zay voalamy araky gny isany zay nisahin'i Jeiela, parora-dalana, vo Mahaseia, manapahefana, teo ambany fahefan'i hanania, raiky tamin'ireo pifehin'ny pazaka. 12Gny fitambaran'ny isak'ireo lohan'ny fianakavian-draza, lelahy pialy, dra 2 600. 13Teo ambany fahefan'izy reo dra nisy tafiky 307 500 lelahy zay nialy tamin-kery lahibe ba hagnapy gny pazaka hanohisy gny fahavalo.14Nomanin'i Ozia ho an;izy reo__ho an'ny tafiky aby___reo apinga, lefo, fiarovan-doha, fiarova-tratra vy, sipiky, vo tavo apiasa amigny asamotaly. 15Nagnamboarany milia maro tao Jerosalema, zay niforognin'ireo lelahy mana-paheza, natao tegny amigny tilikambo vo tegny an-dohan'ny manda, zay andefasa zana-sipiky vo vato lahibe. Niely hatragny amigny tany lavisy gny lazany, satria nahazo fagnapia goava izy mandra-pahaviny ho tena mahery.16Fa gny niha-natazaky i Ozia, dra nieboebo gny fony nanao gny sy marian izy; nivaliky tamin'i Yaveh, Zagnahariny izy, satria nagnao atragnon'i Yaveh ba hagnoro diti-kazo magnisy teo amigny alitaran'ny diti-kazo magnisy. 17Azaria, pisoro, dra nilisy nagnoriky anazy, mbamin'ny pisopron'i Yaveh valo-polo, zay lelahy be herim-po. 18Nanohisy an'i Ozia, pazaka izy reo, dra nizaka taminazy ho: ''Sy azaranao, ri Ozia, gny magnoro gny diti-kazo magnisy ho an'i yaveh, fa an'ireo pisoro, reo zanaky lahin'i Arona, zay voamasy gny magnoro gny diti-kazo magnisy. Miboaha latao amigny fitoboha masy, fa sy nahatoky anao dra sy homen'i Yaveh Zagnahary voninahisy.19Dra tezitra i Ozia. Nihazona lovia teny an-tanany izy mba handorana ny ditin-kazo manitra. Dra mbola tezitra tamin'ny mpisorina izy, dra nisy habokana nipoitra teo amin'ny handriny nanoloana ireo mpisorona tao antranon'i Yaveh, teo anilan'ilay alitara ho an'ny ditin-kazo manitra. 20Dra Azaria pisorom-be vo gny pisoro aby dra nagnatriky anazy, ka, indro, tonga boka gny handriny. Dra niroahiny hiala teo aminazy, dra niboaky malaky koa, satria namely azy Yaveh.21Ozia, pazaka, dra babo mandrapahafatiny dra nipetraky tao amigny fonegna mitoka hatramigny nahababo anazy, akory nalany tao amigny tragnon'i Yaveh izy. Jotama, zanadahiny, gny tao an-dapanigny pazaka dra nanapaky gny vahoakigny tany.22Dra raha gny amigny raharaha hafa mahakasiky an'i Ozia, volohany sadr farany, dra ao amize nisoratin'Isaia zanak'i Amosa, paminany. 23Dra nimaty tagny amigny razambeny i Ozia; nangan'ereo niaraky tamireo razambeny tao amigny tany fandevegna ze an'ireo pazaka izy, fa hoy ereo ho: "Boka izy." Jotama, zanadahiny, gny lasa pazaka nandimby gny toerany.
Chapter 27

1Dimy amby ropolo tao i Jotama raha nanomboky nazaka enina amby folo tao tagny Jeresalema izy. Jerosa gny agnaran-dreniny;zanakapelan'i Zadoka izy.2Nanao zay mary teo amason'i Yaveh izy, nagnaraky gny ohasy nataon-drany , dra i Ozia, tamy raha iaby.Nizano tamy filira tao an-tempolin'i Yaveh avo koa izy. Kanefa bo ninday tena tamy fomba rasy avo gny vahoaky.3Nagnamboasy gny fefy agnabony tragnon'i Yaveh izy, dra nagnamboasy maro teo amy havoan'i Ofela. 4Fagnapian'izay dra nagnamboasy tana tagny amy tany havoan'i Joda, vo nagnamboasy rova vo tilikambo tagny amin'ireo ala izy.5Nialy tamy Pazaka gny vahoakin'i Amona avo koa izy dra nandresy anazy reo.Tamin'izay tao zay avo , gny nagnomezany vahoakin'i Amona anazy taleta volafosy zato, vary tritriky ray aly fatra, vary horde ray aly fatra.Nomeny vahoakin'i Amona anazy manahaky zay avo izy gny tao faharo vo fahatelo.6Dra nihamahery i Jotama satria nandeha nahisy teo anoloan'i Yaveh Zagnahariny.7Dra gny amin'ireo raharaha hafa mahakasiky an'i Jotama, gny aliny aby, dra reo lalany , ingo, voasorasy ao amy bokin'ireo Pazakan'Israely vo Joda zay.8Dimy amby ropolo tao izy raha nanomboly nazaka;nazaka nandrisy gny enina amby folo tao teo Jerosalema izy.9Nimaty tagny amin'ireo razambeny i Jotama, dra nalevin'ereo tao an-tananan'i Davida izy. Ahaza, zanadahiny, gny avy Pazaka nandimby gny toerany.
Chapter 28

1Ropolo tao i Ahaza gny nanomboky nazaka, dra nazaka enina ambiny folo tao tao Jerosalema izy.Sy nanao zay mary teo amason'i Yaveh izy, manahaky gny nataon'i Davida razambeny. 2Fa nandeha tamy lalan'ereo Pazakan'Israely iz;nagnamboasy sarin-draha araraky an'ireo Bala avo koa izy.3Fagnapin'izay , nagnoro emboky magnisy tao amy Lohasahan'i Bela-hinoma izy dra nandefa reo zanany tao agnatiny afo, araky reo asa fanompoa-sapy gny olo ze niteren'i Yaveh hiala tamy taniny talohany vahoakin'Israely. 4Nanao soro vo nagnoro litin-kazo magnisy tao amy fitoera abo vo tegny amin'ireo havoa dra tagny ambaniny hazo meso iaby izy.5Noho zay Yaveh Zagnaharin'i Ahaza, dra nanolosy anazy teo an-tagnany Pazakan'i Syria.Nandresy anazy gny Syriana dra ninday vahoaky gadra marobe niala teo aminazy, ninday anazy reo nagnagny Damaskosy.Natolosy teo an-tagnany Pazakan'Israely ze nandresy anazy tamy famonoa lahibe avo koa Ahaz.6Fa Peka zanadahin'i Remalia,dra namono miaramila 120 000 tao Joda tao agnatiny raiky andro, lelahy be herim-po avo koa izy aby, satria izy reo dra nahafo an'i Yaveh, gny Zagnaahary gny razamben'ereo.7Zikry, lelahy mahery ray laha tagny Efraima, namono an'i Mahaseia zanadahiny Pazaka, Azrikama, manam-pahefa eo amy lapa, dra i Elkana, zay mariny gny Pazaka. 8Gny tafik'Israely dra nangalaky babo 200 000 valy, zanadahy, dra zanakapela laha tamin'ereo havan'ireo. Nangalaky babo maro be avo koa izy reo, zay nandesiny nihery tagny Samaria.9Fa nisy mpaminanin'i Yaveh ray tagny, Obeda gny agnarany. Niboaky ba hiseza gny tafiky ze avy laha tagny Samaria izy. Hoy izy tamin'ereo ho:''Satria Yaveh, gny Zagnahary gny razambebdrareo, ory tamin'i Joda, dra nanolosy anazy reo teo an-tanandrareo Izy. Fa namono anazy reo tamin-kahoria ze mahatakasy gny lagnisy iandrareo.10Dra mihevisy gny hihazo reo lelahy vo ampelan'i Joda vo Jerosalema ho andevondrareo ndrareo. Fa moa se iandrareo sy ory tamin'ereo fahotandrareo tamin'i Yaveh Zagnaharindrareo?11Amizao , mitenoa anahy:Alefaso reo gadra, zay nalandrareo tamin'ireo rahalahindrareo, fa mirehisy amindrareo gny orian'i Yaveh.''12Dra reo pitariky gny vahoakin'i Efraima sasany-Azaria zanadahin'i Johanana, Berekia zanadahin'i Mesile-mota , Jehizkia zanadahin'i Saloma, dra i Amasa zanadahin'i Hadlay, nisanga hanohisy reo zay nihery laha tagny amy aly. 13Hoy izy reo tamin'ereo ho:''Ao sy hinday reo gadra atio iandrareo , satria mitalia handay raha zay hampanota anay hanohisy an'i Yaveh iandrareo, ba hagnapy reo otanay vo reo fahadisoanay, fa lahibe gny fahadisoanay, dra misy firehetan-kahory amin'Israely.''14Dra nagnenga reo gadra vo reo babo teo anatrehan'ereo pitariky vo fivondrogna aby reo lelahy mitam-pialia. 15Niary reo lelahy zay voatendry tamy agnarany dra nangalaky reo gadra, vo nampiakazo reo aby sy niakazo teo amin'ereo niaraky tamin'ireo babo. Nampiakazon'ereo dra nomeny kapa. Nomen'ereo sakafo hohany vo raha-finomy izy reo. Nisabo gny marasin'ereo dra nametraky reo malemy teo agnabony boriky ereo. Nandesin'ereo nihery tagny amy fianakaviany tagny Jeriko izy reo, (nitokaviny ho Tananany Palama). Laha teo dra nihery tagny Samaria izy reo.16Tamin'izay fotoa zay Ahaza Pazaka dra nandefa mpinday hafasy tagny amin'ireo Pazakan'i Asyria ba hangataky anazy reo hagnapy anazy .17Satria bo avy draiky reo Edomita dra nanafiky an'i Joda, ninday an'ireo gadra. 18Reo Filistina avo koa dra nanafiky reo tananan'ireo tagny lemaky vo gny an'i Negeva ao Joda. Nalan'ereo i Beti-semesy, Aialona, Gederota, dra Soko vo reo zana-bohiny, Timna vo reo zana-bohiny, dra Gimzo vo reo zana-bohiny avo koa. Nandeha nipetraky tagny amin'ireo toera reo izy reo.19Fa i Yaveh nampietry an'i Joda noho i Ahaza, Pazakan'Israely . satria izy nanao rasy tao Joda vo nanota fatrasy dra fatrasy tamin'i Yaveh vatany. 20Tigloto-pilesera, Pazakan'i Asyria, dra laha teo aminazy dra nagnakorota anazy raha tokony nakahery anazy.21Fa i Ahaza dra nambabo gny tragnon'i Yaveh vo reo ankohonany Pazaka dra reo pitariky, ba hagnome raha-sarobily ho an'ireo Pazakan'i Asyria. Saiky sy nahazoany tombony gny fanova anizay.22Io Ahaza Pazaka io avo gny nanohisy an'i Yaveh tamy fotoany fahoriany. 23Satria nanao soro tamin'ireo zagnaharin'i Damaskosy izy, zagnahary zay fa nandresy anazy. Hoy izy ho:''Satria nagnapy anazy reo gny zagnaharin'ereo Pazakan'i Syria, dra hisoro ho anazy reo zaho, ba hagnapy anahy izy reo.''Kanefa faharava ho anazy vo Israely aby izy reo.24Nahoron'i Ahaza reo fanaky tao amy tragnon'Agnahary dra nitapatapahany. Narindriny reo vatrangarany tragnon'i Yaveh dra nanao alitara ho anazy teo amy zoron'i Jerosalema aby izy.25Tagny amy tananan'i Joda aby gny nanovany fitoera abo ba hagnoroa soro ho an'ireo zagnahari-kafa. Niasy an'i Yaveh, gny Zagnaharin'ereo razambeny izy.26Dra gny sisa tamin'ireo asany, vo reo lalany aby, volohany dra farany dra ingo, fa voasorasy ao amy bokin'ireo Pazakan'i Joda vo Israely. 27Nimaty tagny amin'ireo razambeny i Ahaza, dra nalevin'ereo tao amy tana, tao Jerosalema izy , fa sy nandesin'ereo tagny amy lolon'ereo Pazakan'Israely. Hezekia, gny zanadahiny, gny lasa Pazaka teo amy toerany.
Chapter 29

1Nanomboky nazaka i Hezekia tamigny fahadimy amby ropolo taonany; nazaka nandrisy gny sivy amby ropolo tao tagny Jerosalema izy. Gny agnaran-dreniny dra Abia; zanakapelan'i Zakaria. 2Nanao mary teo amason'i Yaveh izy, manahaky gny fa nataon'i Davida babany.3Tamigny tao volohany nazakany, tamigny vola volohany, dra nanokaky reo vatrangaranigny tragnon'i Yaveh i Hezekia dra namboasy anireo. 4Napilisy reo pisoro vo reo Levita izy, dra namory anereo niaraky tao amigny kiaza tamigny ilany asignana. 5Hoy izy tamin'ereo ho: "Mitenoa anahy, handrareo Levita! Amasigno gny vatandrareo, dra amasigno gny tragnon'i Yaveh, gny Zagnahariny gny razambendrareo, dra alao hiala amigny fitoera masy gny fahalotoa.6Fa nanota reo razambesika dra nanao rasy teo amason'i Yaveh zagnaharisika; nahafo anazy ereo, napihody gny tavan'ereo niala tamigny toera ze honena'i Yaveh, dra napitoliky gny lamosin'ereo ho amin'zay. 7Nihilin'ereo avo koa reo vatrangaranigny lavarangy dra nivonony gny ziro; sy nagnoro liti-kazo magnisy ereo na fagnatisy oroa tao amigny toera masy ho anigny zagnaharin'Israely.8Noho mizay dra nilasaky teo amin'i Joda vo i Jerosalema gny hatezeran'i Yaveh, dra nataony manahaky gny raha fapihorohoroa, fapitahora, vo fanalam-baraka ereo, araky gny hitandrareo amigny masondrareo. 9Izay gny atony nahalavo reo rasika tamigny sabasy, vo reo zanasika apela, dra reo valikisa.10Amizao dra sy apoko gny hanao fagneke amin'i Yaveh, gny Zagnaharin'Israely, ba hialanigny fahatezerany mirehisy amisika. 11Ry zanako, ka malaiky anizao, akory Yaveh fa nifily andrareo ba hisanga eo anoloany, ba hanopo Anazy, dra ba ho panopony vo ho emboky magnisy."12Boak'eo dra nisanga reo Levita: dra Mahata zanadahin'i Amasay, vo Joela zakadahin'i Azaria, boak'amigny olon'ireo Kohalita; dra reo olon'i Merary, Kisy zanadahin'i Abdia, vo Azaria zanadahin'i Jehalalila; dra reo Gersonita, Joa zanadahin'i Joa; 13boak'amireo zanadahin'i Elizafana, Simry vo Jeiela; dra boak'amireo zanadahin'i Asafa, Zakaria dra Matania; 14boak'amigny zanadahin'i Hemana, Jehiela dra Simei; dra boak'amigny zanadahin'i Jedotona, Semaia dra Oziela.15Namory reo rahalahiny ereo, dra nagnamasy gny vatany, dra nilisy, araky gny nandidianigny pazaka, tamigny fagnaraha reo zakan'i Yaveh, ba hagnalio gny tragnon'i Yaveh. 16Nilisy tao amigny efisy agnatinigny tragnon'i Yaveh reo pisoro ba hagnalio anizay; nandesin'ereo niboaky gny loto aby ze hitany tao atepolin'i Yaveh tao akiazanigny tragno. Nalan'ireo Levita zay ba hangala anizay ao an-dohasakan-driakin'i Kidrona. 17Dra natombok'ereo gny fagnamasigna tamigny andro volohanigny vola volohany. Dra tamigny andro fahavolohanygny vola dra nihazo teo amigny lavarangin'i Yaveh ereo. Dra nandrisy gny valo andro hafa avo koa dra nagnamasy gny tragnon'i Yaveh ereo. Tamigny andro fahaenina ambiny folonigny vola volohany dra vitan'ereo zay.18Boak'eo ereo nandeha tagny amin'i Hezekia, gny pazaka, tao amigny lapa dra nizaka ho: "Fa nagnalio gny tragnon'i Yaveh manotolo izahay, gny alitara ho an'ireo fagnatisy oroa miaraky amigny fapiharany aby, vo gny latabasy gny mofonigny fagnatreha, miaraky amigny fapiharany aby. 19Ko fa nioma izahay dra fa nihamasigninay reo fitovan'aby ze nalan'i Ahaza pazaka fony niasa sy apahatokia nandrisy gny fazakany izy. Ingo, eo agnatrehanigny alitaran'i Yaveh reo."20Boak'eo Hezekia pazaka nifoha maray dra namory reo pitariky gny tana; nandeha niakasy tagny amigny tragnon'i Yaveh izy. 21Ninday agnomby lahy fito, agnondrilahy fito, zanak'agnondry fito, dra osilahy fito ho fagnatisy nohonigny ota ho anigny fazaka, ho anigny fitoera masy, dra ho an'i Joda ereo. Nandidy an'ireo pisoro, reo zanadahin'i Arona izy, ba hagnatisy anireo eo amigny alitaran'i Yaveh.22Ko dra nivonon'ereo gny agnomby, dra nitakarin'ireo pisoro gny lio dra nafafiny teo amigny alitara. Nivonon'ereo gny agnondry lahy dra nafafiny teo amigny alitara gny lio; nivonon'ereo avo koa reo zanak'agnondry dra nafafiny teo amigny alitara gny lio. 23Nandesin'ereo teo anoloanigny pazaka vo gny fivondrogna reo osilahy ho fagnatisy nohonigny ota; napetrak'ereo teo amizay gny tagnany. 24Nivonon'ireo pisoro zay, dra nanao fagnatisy nohonigny ota tamigny lion'ireo teo amigny alitara ba hanova fagnavota ho an'Israely ereo, akory nandidy gny pazaka fa tokony hisy fagnatisy oroa vo fagnatisy nohonigny ota hatao ho an'Israely manotolo.25Napetrak'i Hezekia tao amigny tragnon'i Yaveh niaraky tamigny kipaso, harpa, dra lokanga reo Levita, nalahany araky gny baikon'i Davida, Gada, gny pahitanigny pazaka, vo Natana, gny paminany, akory boak'amin'i Yaveh tamigny alalan'ireo paminaniny gny baiko. 26Nizoro niaraky tamireo raha magnenon'i Davida reo Levita, dra reo pisoro niaraky tamireo tropetra.27Nandidy anereo ba hanolosy gny fagnatisy oroa ho eo amigny alitara i Hezekia. Gny fa nanomboky gny fagnatisy oroa, dra nanomboky avo koa gny hiran'i Yaveh, niaraky tamireo tropotra, mbamin'ireo raha magnenon'i Davida, pazakan'Israely. 28Nihoby avokoa gny fengonan'aby, nihira reo pihira, dra nisioky reo papagneno tropetra; nitohy hatragny reo aby reo ambara-pahavitanigny fagnatisy oroa.29Gny fa vitan'ereo gny fagnatisy, dra nekohoky vo nisoaky gny pazaka vo reo aby ze nagnatriky niaraky taminazy. 30Akoasy izay, Hezekia, gny pazaka, vo reo pitariky dra nandidy an'ireo Levita ba hihira fidera ho an'i Yaveh tamigny zakan'i Davida vo Asafa pahita. Nihira fidera tami-pifalia ereo, dra niakohoky vo nidera.31Dra hoy Hezekia ho: "Amizao dra nagnamasy gny vatandrareo ho an'i Yaveh handrareo. Avia eto dra andeso ho ao atragnon'i Yaveh reo soro vo reo fagnati-pisorogna." Nandesinigny fengona reo soro vo reo fagnati-pisorogna, dra reo aby ze nana fo feno finiava dra ninday fagnatisy oroa.32Agnombilahy fitopolo, agnondrilahy zato, dra zanak'agnondry lahy rozato gny isan'ireo fagnatisy oroa nandesinigny fengona. Ho fagnatisy oroa ho an'i Yaveh avokoa reo aby reo. 33Agnomby enizato vo agnondry telo arivo reo fagnatisy voahasy.34Fa keliky loasy reo pisoro raha hagnendaky gny holis'ireo fagnatisy oroa, ko dra nagnapy anereo gny rahalahiny, reo Levita, ambara-pahavitanigny asa, dra ambara-pahafahan'ireo pisoro nagnamasy gny vatan'ereo, fa nitandry gny hagnamasy gny vatan'ereo kokoa noho reo pisoro reo Levita.35Fagnapin'izay, dra nisy fagnatisy oroa maro ba; napiaraha tamigny saboranigny fagnati-pihombona reo, dra nisy fagnatisy onomy ho anigny fagnatisy oroa aby. Ko dra nalamy soa gny fanopoa tao atragnon'i Yaveh. 36Niravoravo Hezekia, dra gny vahoaky aby avo koa, noho ze fa nomanin'Agnahary ho anigny olo, akory vita selasela gny asa.
Chapter 30

1Nandefa iraky tamin'Israely vo i Joda aby i Hezekia, dra ko nanorasy taratasy ho an'i Afraima vo Manase, fa tokony ho avy ao atragnon'i Yaveh agny Jerosalema ereo, ba hakalaza gny Pska ho an'i Yaveh, gny zagnaharin'Israely. 2Fa gny pazaka, reo pitariky, vo gny fengona aby tagny Jerosalema dra nindray nihevisy, nanapa-kevisy gny hakalaza gny Paska amigny vola faharo. 3Sy afaky nakalaza anizay teo gny ho eo anefa ereo, akory sy apy reo pisoro ze nagnamasy gny vatan'ereo, na gny olo ze nindray nivory tagny Jerosalema.4Ho mary teo amasonigny pazaka vo gny fengonan'aby izay tolo-kevisy izay. 5Dra nagneky gny hanao fagnambara manera an'Israely manotolo ereo, hatragny Beriseba dra hatragny Dana, fa gny vahoaky dra tokony ho avy hakalaza gny Paska ho an'i Yaveh, gny Zagnaharin'Israely, tao Jerosalema. Fa ereo dra sy nitandry anizay niaraky tamigny vahoaky maro an'isa, araky ze voasorasy.6Noho izay reo iraky dra nandeha ninday gny taratasy boak'amigny pazaka vo reo pitariny nanera an'Israely vo Joda aby, araky gny baikonigny pazaka. Hoy ereo ho: "Handrareo vahoakin'Israely, miheregna amin'i Yaveh, gny Zagnaharin'i Abreahama, Isaka, dra Israely, ba hiharegnany amigny sisa tavela amindrareo ze tafasoaky boak'eo atagnan'ireo pazakan'i Asyria.7Aoky handrareo sy hitovy amigny razambendrareo na gny rahalahindrareo, ze nanota tamin'i Yaveh, gny zagnahariny gny razamben'ereo, dra nandringanany anereo, araky gny hitandrareo. 8Dra ka maheriloha, manahaky reo razambendrareo; fa koa, manolora tegna ho an'i Yaveh handrareo dra midira ao amigny fitoerany masy, zefa nihamasininy mandrakizay, dra manopoa an'i Yaveh zagnaharindrareo ba hiala amindrareo gny firehetanigny fahatezerany. 9Fa raha mihery amin'i Yaveh handrareo, dra hahita fangoraha-po manoloa an'ireo ze ninday anereo ho gadra gny rahalahindrareo vo gny zanandrareo, dra hihery amity tany tihoky ereo. Fa Yaveh zagnaharindrareo, dra mahari-po vo mamindra fo, dra sy hagnavony gny tavany amindrareo, raha mihery aminazy handrareo."10Dra lasa reo iraky nandeha isa-tana nanera gny faris'i Efraima vo i Manase, gny lalan'aby nagnagny Zebolona, fa nihomehy vo naneso anereo gny olo. 11Na izay aza, gny ilany tamigny lelahin'Aseraha vo i Manase dra Zebolona dra nanetry tegna dra avy tagny Jerosalema. 12Avy tamin'i Joda avo koa gny tagnan'Agnahary, ba hagnome fo raiky anereo, ba hagnatetaraky gny didinigny pazaka vo reo pitariky tamigny alalanigny zakan'i Yaveh.13Vahoaky maro, fengona lahibe vatany, gny tafaango tagny Jerosalema ba hakalaza gny firavoravoa amigny Mofo sy misy masirasira tamigny vola faharo. 14Dra nisanga ereo dra nangalaky reo alitara ze tagny Jerosalema, vo reo alitara aby ho anigny liti-kazo magnisy; narian'ereo tagny amigny lohasakan-driaky Kidrona zay. 15Boak'eo dra namono gny zanak'agnondrinigny Paska ereo tamigny agnondry fahefasy ambiny folonigny vola faharo. Megnasy reo pisoro vo reo Levita, dra nagnamasy gny vatany vo ninday fagnatisy oroa tao atragnon'i Yaveh ereo.16Nizoro tegny amigny toerany avy araky gny fizarany ereo, magnaraky reo torolala name tao amigny lalan'i Mosesy, gny lelahin'Agnahary. Nafafin'ireo pisoro gny lio ze niresinigny boak'amigny tagnan'ireo Levita. 17Akory nisy maro tamigny fengona gny sy nagnamasy gny vatany. Noho izay dra namono gny zanak'agnondriny gny Paska ho anigny olon'aby sy voalio vo sy afaky nagnamasy gny soron'ereo ho an'i Yaveh reo Levita.18Fa vahoaky marobe, maro tamin'ereo boak'agny Efraima vo Manase, Isakara vo Zebolona, gny sy nagnaligno gny vatan'izy, nefa nihina gny sakafonigny Paska avo ereo, sy araky ze fapenara voasorasy. Dra nivavaky ho anereo i Hezekia, nanao anizahoky ho: "Enga anie Yaveh soa hamindra fo gny olon'aby 19ze manefy gny fony hitalia an'Agnahary, Yaveh, gny zagnaharin'ireo razambeny, na dre sy voalio tamigny fahaliova araky gny fenisy gny fitoera masy aza izy." 20DRa niteno an'i Hezekia i Yaveh dra nagnasitrany gny vahoaky.21Gny vahoakin'Israely ze tagny Jerosalema dra nitandry tami-kafaliam-be gny firavoravoa amigny Mofo sy misy masirasira nandrisy gny hafitoa. Reo Levita vo reo pisoro dra nidera an'i Yaveh isan'andro isan'andro, nihira niaraky tamigny raha magneno fatrasy ho an'i Yaveh. 22Dra Hezekia napahery reo Levita aby ze nahatakasy gny fanopoa an'i Yaveh, Ko dra nihina tami-piravoravoa nandrisy gny hafitoa ereo, nanolosy reo soro ho fagnati-pihombona, dra nibebaky tamin'i Yaveh, gny Zagnahariny gny razam-ben'ereo.23Dra gny fengona manotolo nanapa-kevisy gny hakalaza hafitoa hafa, dra nanao anizay tamin-kafalia ereo. 24Dra Hezekia pazakan'i Joda nagnome agnombilahy arivo vo agnondry fito arivo ho anigny fengona ho fagnatisy; dra reo pitariky nagnome agnombilahy arivo vo agnondry aman'osy ray aly ho anigny fengona. Pisoro maro an'isa gny magnamasy gny vatany.25Gny fengonan'i Joda aby, miaraky amireo pisoro vo reo Levita, dra gny vahoaky aby ze nindray avy boak'agny Israely, dra reo vahiny ze avy boak'agny amigny tanin'Israely vo reo ze nipetraky tagny Joda dra nifaly avokoa. 26Dra nisy fifaliam-be tao Jerosalema, fa hatramigny fotoan'i Solomona zanak'i Davida, pazakan'Israely, dra sy bo nahita manahaky anizay tao Jerosalema. 27Dra nisanga vo niso-drano gny vahoaky reo pisoro, vo reo Levita. Re gny feon'ereo, dra gny vavak'ereo niaraky tagny an-dagnisy, gny fitoera masy ze anenan'Agnahary.
Chapter 31

1Dra gny fa vita zay aby zay, dra niboaky ho agny amireo tanan'i Joda gny vahoakin'Israely aby ze tagny dra nanorotoro reo andrim-bato vo nanapaky reo baon-Aseraha, dra niravan'ereo gny fitoera abo vo reo alitara tao amin'i Joda vo Benjamina, vo tao Efraima dra Manase aby, mandra-paharavan'ereo anazy aby. Dra nihery gny vahoakin'Israely aby, gny sirairay tagny amigny fanagnany vo gny tanany aby.2Nitendren'i Hezekia gny fizaran'ireo pisoro vo reo Levita volamena araky gny fizaran'ereo, gny lelahy sirairay nitendre tamigny asany, dra reo pisoro vo reo Levita. Nitendreny ereo ba hanao gny fagnatisy oroa vo fagnati-pihombogna, ba hanopo, ba hanolosy fisora, dra ba hidera eo amireo vavahadinigny tepolin'i Yaveh. 3Nitendreny avo koa gny azaranigny pazaka ho anigny fagnatisy oroa boak'amireo fanagnany manoka, izay dra, ho anigny fagnatisy oroa maray vo fagnatisy oroa hariva, dra gny fagnatisy oroa ho amigny andro Sabata, teo vola vaovao, vo reo andro firavoravoa voatendry, araky ze voasorasy ao amigny lalan'i Yaveh.4Akoasy izay, nandidy gny vahoaky ze nipetraky tagny Jerosalema ba hagnome azara ho anireo pisoro vo reo Levita izy, ba hahafahan'ereo mifatoky amigny fakatoava gny lalan'i Yaveh. 5Vatany vo nalefa gny baiko, dra namenigny vahoakin'Israely tamigny fahalala-tagna reo voloham-bokasy, vo gny boak'amireo vokasy tagny agnahisy. Nandesin'ereo gny apahafolonigny raha aby; ze tena maro dra maro.6Gny vahoakin'Israely vo Joda ze nony tao amireo tanan'i Joda avo koa dra ninday gny apahafolonigny biby teza vo agnondry, dra gny apahafolonigny raha masy ze natoka ho an'i Yaveh zagnaharin'ereo, dra navorin'ereo ho atota zay. 7Tamigny vola fahatelo gny nanombohan'ereo namory gny fandresan'azara ho atotany, dra nifaragnan'ereo tamigny vola fahafito. 8Gny fa avy dra nagnety reo atotany i Hezekia vo reo pitariky, dra nisaosy an'i Yaveh vo gny Israely vahoany ereo.9Boak'eo Hezekia nagnotany an'ireo pisoro vo reo Levita momba reo atotany. 10Azaria, pisorom-be, boak'amigny fokon'i Zadoka, namaly anazy dra nanao anizahoky ho: "Akory reo vahoaky nanomboky ninday fagnatisy tao atragnon'i Yaveh, dra nihina izahay dra visy, dra feno ambiny, akory fa nitahin'i Yaveh gny vahoany. Reo raha maro dra maro eto reo gny ambany." 11Dra nandidy gny hagnomana tragnofitehiriza ao atragnon'ereo zay. 12Boak'eo nandesin'ereo tami-pahatokia gny fagnatisy, gny apahafolony vo reo raha ze an'i Yaveh. Konania, gny Levita, gny pitata nisaha anireo, dra Simey, rahalahiny, gny faharo nagnapy anazy. 13Jehiela, Azazia, Nahata, Asahela, Jerimota, Jozabada, Eliala, Jismakia, Mahata, dra Benaia gny pitata teo ambany fahefan'i Konania vo i Simey rahalahiny, tamigny fanendren'i Hezekia, pazaka, vo Azaria, manam-boninahisy teo amigny tragnon'Agnahary.14Kore zanadahin'i Jimna gny Levita, piamby vatrangara teo asignananigny vavahady, gny teo amigny fagnatisy asitrapo ho an'Agnahary, nisaha gny fizara reo fagnatisy ho an'i Yaveh vo reo fagnatisy masy faratapony. 15Teo ambany fahefany gny nisy an'i Edena, Miamina, Jesoa, Semaia, Amaria, dra Sekania, tao amigny tanan'ireo pisoro. Nifenon'ereo fahatokia reo fagnatisy reo ho anigny rahalan'ereo isa-pizara, dra gny manan-daza vo gny sy manan-daza.16Namen'ereo avo koa reo lelahy telo tao gny miakasy, ze voaisa tao amigny firaketa asoras'ireo razambeny ze nilisy tao atragnon'i Yaveh, araky ze nitakenigny fanao andava-nandro, ba hanao gny asa tao amireo azara fanopoany vo fizaran'ereo.17Nizaran'ereo ho anigny pisoro araky gny firaketa atsoras'ireo razambeny, dra manahaky anizay koa ho an'ireo Levita ropo tao mihoasy, araky gny asa fanopoany vo fizaran'ereo. 18Tafilisy agnatin'izay gny zanany madiniky, reo valiny, reo zanadahiny, dra reo zanakapelany, manera gny fiarahamony manotolo, akory ereo dra nahatoky tamigny fitandrema gny vatan'ereo ho masy. 19Ho an'ireo pisoro, dra reo taranak'i Arona, ze tagny asaka tagny amireo zana-bohisy tao atagnan'ereo, na tagny amigny tana aby, dra nisy lelahy nitendre tamigny agnara ba hagnome azara ho an'ireo lelahy aby teo amireo pisoro, vo ho an'ireo aby ze voaisa tao amigny firaketa asoras'ireo razambeny teo amireo Levita.20Nataon'i Hezekia nanera an'i Joda aby zay. Nitaterahiny ze soa, mary, dra mahatoky teo amason'i Yaveh, Zagnahariny. 21Isaky gny tetikasa ze natombony tao amigny fanopoa tao atragnon'Agnahary, gny lalana, dra reo didy, ba hitaliava gny zagnahariny, dra nitaterahiny tamigny fony manotolo zay, dra nahomby izy.
Chapter 32

1Tafaran'ireo raha vo asam-pahatokia reo, dra avy dra nilisy tao Joda i Sankeriba, Pazakan'i Asyria. Nitoby hanafiky reo tana mifefy izy, zay nokasainy ho baboiny.2Fa gny hitan'i Hezekia fa avy i Sankeriba dra izy nikasa hialy amin'i Jerosalema,3dra nifampizoso tamin'ireo mpitariny vo reo lelahiny manam-pahefa izy gny hampiatoa gny ranon'ereo loharano zay teo ambaliky tana;dra nagnampy anazy hanao anizay izy reo. 4Olo maro gny niango vo nampiato reo loharano aby vo gny rano miroro ze namakivaky gny agnevony tany. Hoy izy reo ho:''Nanao akory Pazakan'i Asyria gny avy hitalia rano be?''5Beheri-po i Hezekia dra nanaga gny manda aby ze raha. Nananga reo tilikambo ho abo kokoa, vo gny manda hafa agny ivelany avo koa izy. Nagnamafy gny Milo tao amigny tanan'i Davida avo koa izy, dra namboasy fitova-pialia vo apinga marobe.6Nametraky pifehy maramila teo amigny vahoaky izy. Namory anereo ho eo aminazy teo amigny tany malalaky teo amigny vavahadinigny tana izy dra nizaka tami-paherezana tamin'ereo. Hoy izy ho: 7"Mahereza vo matazaha. Ka matahosy na kivy nohonigny pazakan'i Asyria vo reo tafiky aby miaraky aminazy handrareo, fa misy olo momba asika ze lahibe mihoasy noho reo ze momba anazy. 8Sandrinigny nofo avo gny momba anazy, fa i Yaveh, zagnaharisika, koa gny momba asika, ba hagnapy asika, vo hialy gny alisika." Ko dra napahery gny vatan'ereo tamireo zakan'i Hezekia, pazakan'i Joda reo vahoaky.9Tafaran'izay, dra nagniraky reo panopony ho agny Jerosalema i Sankeriba, pazakan'i Asyria (teo anoloan'i Lakisa izy, dra gny tafiny aby nomba anazy), ho agny amin'i Hezekia, pazakan'i Joda, vo gny vahoaky aby ze tagny Jerosalema. Hoy izy ho: 10"Izao gny zakan'i Sankeriba, pazakan'i Asyria: Ino gny hiateherandrareo ba hiareta gny fahirano agny Jerosalema?11Moa sy mamitaky handrareo ra Hezekia, ba hahavy andrareo ho matinigny misary vo gny hetaheta, gny fa mizaka amindrareo izy ho: 'Yaveh Zagnaharisika gny hagnavosy asika eo atagnanigny pazakan'i Asyria.' 12Moa ra sy io Hezekia io avo gny nangalaky reo fitoera abony vo reo alitarany dra nandidy gny Joda vo gny Jerosalema ho: 'Eo amigny alitara raiky gny sy maisy hanopoandrareo, dra eo amizay gny sy maisy hagnoroa gny sorondrareo'?13Fatandrareo ra ze fa nataoko vo reo razambeko tamireo vondron'olo aby boak'amireo tany hafa? Moa afaky namozy gny tanin'ereo teo ambany fahefako tamigny fomba aby ra reo zagnaharin'ireo vondron'olonigny tany? 14Teo amireo zagnaharin'ireo ferenena aby ze naringanigny razambeko reo, moa nisy zagnahary afaky gny namozy gny vahoaky hiala teo atagnako ra? Nagnino gny Zagnaharindrareo gny tokony hahavozy andrareo eo amigny fahefako? 15Ko ka anga handiso fanatena vo hitao andrareo amigny alalan'izay i Hezekia. Ka mino anazy, fa sy nisy zagnahariny gny firenena na fazaka afaky namozy gny firenena na fazakana afaky namozy gny olo sy ho eo atagnako, na nangalaky sy ho eo atagnan'ireo razambeko. Ko maiky fa gny zagnaharindrareo gny hahavozy andrareo amigny tagnako?"16Bo nizaka rasy manohisy an'i Yaveh zagnahary vo manohisy an'i Hezekia panopony aza reo panopon'i Sankeriba. 17Nanorasy taratasy avo koa i Sankeriba ba hanesoa an'i Yaveh, gny zagnaharin'Israely, dra nizaka rasy taminazy, Hoy izy ho: "Manahaky reo zagnaharin'ireo firenenigny tany reo ze sy nahavozy gny olon'ereo teo atagnako, gny zagnaharin'i Hezekia avo koa dra sy hahavozy gny olony hiala sy ho eo atagnako."18Nitoka fatrasy gny vahoak'i Jerosalema ze tao amigny rindry tamigny fizakanigny Jiosy ereo, hapitahora vo hapihorohoroa anereo, ba hahafahan'ereo mambabo gny tana. 19Nizaka mombanigny zagnaharin'i Jerosalema manahaky gny fizakan'ereo momba reo zagnahary gny olonigny tany hafa firenena, ze asa-tagnanigny olo fosiny avo, ereo.20Hezekia, pazaka, vo Isaia, paminany, dra nivavaky noho izay raga zay dra nitoka fatrasy tagny an-dagnisy izy. 21Nagniraky azely i Yaveh, ba hamono reo lelahy pialy, reo pifehy, dra reo mana-pahefanigny pazaka tao atoby. Dra nihery tami-kegnasy tagny ataniny i Sankeriba. Gny fa nagnagny amigny tragnonigny zagnahariny izy, dra nivononigny ilany tamireo zanany tamigny sabasy tagny izy.22Manahaky anizay gny nagnavotan'i Yaveh an'i Hezekia vo reo panon'i Jerosalema tamigny tagnan'i Sankeriba, pazakan'i Asyria, dra tamigny tagnan'ireo hafa aby, dra nagnome anereo fiadagna tamigny fomba aby. 23Maro gny ninday fagnatisy ho an'i Yaveh tagny Jerosalema, vo fagnomeza sarobily ho an'i Hezekia pazakan'i Joda, ba hahavy anazy hisandrasy teo amason'ireo ferenena aby nanomboky tamizay fotoa zay.24Dra tamin'izay fotoa zay Hezekia dra narary fa ho maty. Nivavaky tamin'i Yaveh izy, zay nizaka taminazy dra nagnome famatara anazy fa ho sitrana izy.25Nafa Hezekia sy ba namaly an'i Yaveh tamin'izay soa nome anazy, fa niavognavo gny fony.Ka dra avy taminazy, vo tamin'i Joda bamin'i Jerosalema gny fahoria.26Na zay avo , dra nanendry vata tamy avognavom-pony avo koa Hezekia, izy vo reo mponin'ereo gny Jerosalema, ka sy avy tamin'ireo gny hahorian'i Yaveh nandrisy gny andron'i Hezekia.27Nanan-kanagna marobe vo voninahisy vatany i Hezekia. Nanao efi-tragno fignaza ho agny volafosy , volamena, vato sarobily, vo ho an'ireo hagnisy , dra ho an'ireo apinga vo reo raha-mana-daza samy hafa karaza izy. 28Nana tragno fagnaza-bokasy ho agny vary, divay vaovao, dililo, dra tragno fihinam-bilo ho an'ireo biby fiteza karazany aby avo koa izy. Nana agn'ondry vo osy tao am-balany avo koa izy. 29Fagnapin'izay , nanao tana ho anazy avo koa izy dra nana agn'ondry vo osy vo agn'omby marobe,fa Zagnahary nagnome anazy hanagna maro be indrindra.30Io Hezekia io avo gny nagnapy gny loharano laha tagny agnabony tany Gihona, vo nampivavasy anizay ho agny amy tapany andrefany tanan'i Davida. Nahomby tamin'ereo tetikasany aby i Hezekia.31Na zay avo, gny amy raha mahakasiky reo masoambohon'ereo zagnaharin'i Babylona, zay nirahiny hagnany aminazy ba hametra-pagnontania momba reo ze nahafatasy , gny mombany famatara mahalasa zay fa natao teo amy tany, dra nagnenga anazy ho raiky Zagnahary, ba hisapa anazy , dra hahafatara anizay tao am-pony.32Raha gny amin'ireo raha hafa mahakasiky an'i Hezekia, ao agnatin'izay reo asa sy fivaliam-panekeny, ingo fa voasorasy ao amy Fahitan'Isaia Mpaminany Zanadahin'i Amosa reo, vo ao amy bokin'ireo Pazakan'i Joda vo Israely.33Nimaty tagny amin'ireo razambeny i Hezekia, ka nalenin'ereo tagny amy havoa misy reo lolony taranak'i Davida izy. Nagnome voninahisy anazy tamy fahafatesany gny joda aby vo gny mponin'i Jerosalema. Dra Manase zanadahiny gny avy Pazaka nandimby anazy.
Chapter 33

1Ro ambiny folo tao i Manase raha nanomboky nazaka; nazaka nandisy gny dimy amby dimapolo tao tagny Jerosalema izy. 2Nanao rasy teo amason'i Yaveh izy, manahaky reo raha maharikorikon'ireo firenena ze fa nalan'i Yaveh teo agnatrehanigny vahoakin'Israely. 3Fa nananga ndraiky reo fitoera abo ze niravan'i Hezekia babany, dra nananga reo alitara ho an'ireo bala izy, nanao reo baon'Aseraha izy, dra nekohoky teo amireo kitanigny lagnisy dra nanopo anereo.4Nagnory alitara fanompoan-tsapy tao antragnony Yaveh i Manase, dre dra nandidy: ''Any Jerosalema gny itobohany gnagnarako mandrakizay.'' 5Namboasy alitara ho an'ereo vasiany lagnisy aby teo amy kianja ro gnany tragnony Yaveh izy. 6Noroa tao an-dohasa han'i Ben-hinoma ereo zanadahiny. Nanao fanandroana sy nisiliky izy; namaky fahitana izy; dra nandeha tagny amin'ereo ze nizaka amy maty sy erea nizaka amin'erea fagnahy. Nanao raha-rasy maro teo amasony i Yaveh izy dra nandigny gny haorian'i Zagnahary.7Gny sary sokisin'i Aseraha ze namboary, napetrany tao an-tragnon'i Zagnahary zay. Gny mamban'io tragno io gny nizaka i Zagnahary tamin'i Davida sy Solomona zanadahiny; zay gny nizakany: ''Eto amity tragnoty sy agny Jerosalema, zay fa nifiliko fokon'Israely aby, gny hametrahako gny agnarako mandrakizay. 8Sy hafidrako amy tany ze nitedreko ho gnany razamben'ereo gny tokany vahoakin'Israely, raha toa ka mitadry ze aby nandidiako anazy ereo magnaraky gny lala, fisipiky, dra ereo didy ze nameko an'ereo tamin'ny alalan'i Mosesy ereo.'' 9Nitarihin'i Manase hanao rasy mihoasy lavisy nohon'ereo firenena ze fa naringan'i Yaveh teo agnatrehany vahoakin'Israely i Joda sy gny mponina tao Jerosalema.10Niresaky tamin'i Manase vo tamy olony i Yaveh, fa sy niraharaha ereo. 11Koa nandesin'i Yaveh teo aminazy reo mpifehy gny tafiky gny Pakakan'i Asyria, zay nanagalaky an'i Manase tamy ravaky vy, namehy anazy tamy ravaky vy dra namoaky anazy ho agny Babylona12Rana tao agnatiny fahoria i Manase, dra nitalaho tamin'i Yaveh, Zagnahariny, dra nanetry fatrasy gny vatany teo anatrehany Zagnaharin'ereo razambeny.13Nivavaky taminazy izy;dra Zagnahary gny nitalahony, ka ren'Agnahary gny fitalahohoany dra nandesiny nihery ho agny Jerosalema, tagny amy fazakany izy. Dra fatasin'i Masena fa Yaveh gny Zagnahary.14Tafaran'izay, Manase dra nagnamboasy manda ambalikiny teo amy tanan'i Davida, teo amy tapany andrefan'i Gihona, tagny an-dohasaha, teo amy filira amy fefidi-kazandrano. Nagnodidy gny havoan'i Ofela izy dra nananga gny manda ho tena abo.Nametraky mpifehy mahery fo teo amy tana mifefy iaby i Joda izy.15Nalany sy ho ao antranon'i Yaveh reo Zagnahari-kafa, gny sampy, dra reo alitara aby ze namboariny vo tany Jerosalema, dra nariany tagny ambaliky tana zay.16Naoriny draiky gny alitaran'i Yaveh dra nanolosy soro ho fagnati-pihombona vo fagnati-pisaora teo izy;nandidy an'i Joda hanompo an'i Yaveh, gny Zagnaharin'Israely izy.17Na zay avo, gny vahoaky dra bo nanao soro teo amin'ireo fitoera abo avo , nefa ho an'i Yaveh raiky, zay Zagnaharin'ereo.18Raha gny amireo raharaha hafa mahakasiky an'i Manase, gny vavaky nataony tamin'Agnahary, vo gny zakan'ireo pahita ze nizaka taminazy tamigny agnaran'i Yaveh, gny Zagnaharin'Israely, ingo, voasorasy ao amigny asan'ireo pazakan'Israely zay. 19Ao agnatin'izay gny tataranigny vavaky nataony, vo gny fiheseha-pon'Agnahary tamizay. Ao avo koa gny fahotany vo reo fahadisoany aby, dra reo toera ze nananganany reo fitoera abo vo nametraky reo baon'Aseraha abo gny sary raha voasokisy, talohanigny nanetreny gny tenany__voasorasy ao amigny tataran'ireo pahita anizay. 20Dra nimaty tagny amireo razambeny i Manase, dra nalevin'ereo tao atragnony. Amona, zanadahiny, gny lasa pazaka nandimby anazy.21Ro amby ropolo tao i Amona raha nanomboky nazaka; nazaka nandrisy gny ro tao tagny Jerosalema izy. 22Nanao rasy teo amason'i Yaveh izy, manahaky ze fa nataon'i Manase, babany. Nanao soro ho an'ireo sary raha voasikisy aby ze fa nataon'i Manase babany i Amona, dra nanopo reo izy. 23Sy nagnetry tegna teo agnatrehan'i Yaveh izy, manahaky ze fa nataon'i Manase babany. Fa koa, ty Amona tihoky avo koa nanao fahadisoa besaky kokoa.24Nanao tetiky hanohisy anereo panopony dranamono anazy tao atragnony avo. 25Fa gny poninigny tany namono reo aby ze nitetiky hanohisy an'i Amona pazaka, dra nataon'ereo ho pazaka nandimby anazy i Josia, zanadahiny.
Chapter 34

1Valo tao i Josia gny nanomboky nazaka; nazaka nandisy gny raiky amby telopolo tao Jerosalema izy. 2Nanao ze mary teo amason'i Yaveh, vo nandeha tamigny lalan'i Davida razambeny, dra sy ba nivily niakavana na niagnakavia izy. 3Dra tamigny tao fahavalo nazakany, raha bo tanora izy, dra nanomboky nitalia anigny Zagnaharin'i Davida, razambeny. Tamigny tao faharo ambiny folo, dra nanomboky nagnadio an'i Joda vo Jerosalema boak'eo amigny fitoerany abo izy, gny baon'Aseraha, vo gny sari-raha voasokisy dra gny sari-raha vita tamigny vy.4Niravanigny vahoaky teo agnatrehany reo alitaran'i Bala; nitapainy gny alitaranigny liti-kazo magnisy ze teo agnabon'ireo. Nitorotorony reo baon'Aseraha vo reo sari-raha voasokisy, dra reo sari-raha vita tamigny vyambara-pahaviany reo ho vovoky Naparitany teo amigny lolon'ireo ze nanao soro anizay gny vovoky. 5Noroany teo amigny alitarany gny tolan'ereo pisorony. Manahaky anizay gny fomba, nagnaliovany an'i Joda vo i Jerosalema.6Nataony manahaky anizay koa reo tanan'i Manase, Efraima, dra Simeona, gny lala nagnagny Naftaly aby, vo teo amireo faharava ze nagnodidy anizay. 7Niravany reo alitara, nipotehiny ho lasa vovoky reo baon'Aseraha vo reo sari-raha voasokisy, dra nikapainy gny alitaranigny liti-kazo magnisy nanera gny tanin'Israely aby; nihery tagny Jerosalema izy boak'eo.8Dra tamigny tao fahavalo ambiny folo nazakany, gny fa voalion'i Josia gny tany vo gny tepoly, dra nagniraky an'i Safata zanadahin'i Azalia, Maseia, governoranigny tana, dra i Joa zanadahin'i Joahaza pitasorasy izy, ba hamboasy ndraiky gny tragnon'i Yaveh zagnahariny. 9Nagnagny amin'i Hilkia, pisorombe ereo, dra nagnaky taminazy gny vola ze nandesy tao amigny tragnon'Agnahary, ze fa navorin'ireo Levita, vo reo piamby vavahady boak'amigny Manase vo Efraima, avy tamin'irei sisa tamin'Israely aby, avy tamin'i Joda vo Benjamina aby, dra avy tamireo ponin'i Jerosalema.10Nakinin'ereo tamireo lelahy ze magnara-maso gny asa amigny tepolin'i Yaveh gny vola. Reo lelahy reo gny nagnarama gny piasa ze namboasy vo nagnery gny tepoly tamigny loniny. 11Naloan'ereo tamireo pandrafisy vo reo pananga anizay ba hivilia vato voapaiky vo hazo ho fandrafeta, dra hamboasy andry ho anireo rafisy ze nirava'ireo pazakan'i Joda ilany.12Nanao gny asa tami-pahatokia reo lelahy. Reo pagnaramaso dra Jahata vo Obadia, reo Levita, boak'amigny zanadahin'i Merary; dra Zakaria vo Mesolama, boak'amireo zanadahin'ireo Kehatita. Reo Levita hafa, ze pitandry raha magneno tena mahay aby, panoro mariny reo piasa. 13Reo Levita reo dra nisaha reo zeninday gny fitovanigny tragno lahibe vo reo lelahyaby ze nanao gny asa pita-sorasy, pandrindra, dra piamby vavahady.14Gny fa naboak'ereo gny vola ze nandesy tao atragnon'i Yaveh, dra hitan'i Hilkia pisoro gny bokinigny lalan'i Yaveh ze name tamigny alalan'i Mosesy. 15Hoy Hilkia tamin'i Safana panoradalana ho: "Hitako tao atragnon'i Yaveh gny bokinigny lalan."Nandesin'i Hilkia tagny amin'i Safana gny boky. 16Nandesin'i Safana tagny amigny pazaka gny boky, sady nitatisy taminazy avo koa, anao anizahoky ho: "Reo panoponao dra manao gny raha aby ze nakiny tamin'ereo.17Fa nirofin'ereo gny vola ze hita tao atragnon'i Yaveh, dra nameny teo atagnan'ireo pagnara-maso vo reo piasa zay." 18Nizaka tamigny pazaka i Safana panora-dalana ho: "Namen'i Hilkia pisoro boky zaho." Dra nivakin'i Safana tamigny pazaka zay. 19Dra gny fa renigny pazaka reo zakanigny lalana, dra nandroaky gny akazony izy.20Gny pazaka nandidy an'i Hilkia, Ahikama zanadahin'i Safana, Abdona zanadahin' Mika, Safana panora-dala, dra Asaia, panopony manoka, nanao anizahoky ho: 21"Mandehana dra agnotanio ho anahy gny sitrapon'i Yaveh, dra ko ho an'ireo ze tavela agny Israely vo agny Joda, nohonigny zakanigny boky ze fa hita. Fa lahibe zay, dra gny fahatezera. Lahibe zay, noho reo razambesika sy niteno gny voazakanigny boky gny ba hakatoava ze voasorasy aby tao amizay."22Dra Hilkia, vo reo ze nididinigny pazaka, dra nagnagny amin'i Holdapaminany apela, valin'i Saloma zanadahin'i Tokehata zanadahin'i Hasra, pitahiry akazonigny fisora (nony tao Jerosalema tao amigny tana ambany izy), dra tamizay fomba zay gny nizakan'ereo taminazy.23Hoy izy tamin'ereo ho: "Izao gny zakan'i Yaveh, gny Zagnaharin'Israely: Zakao gny lelahy ze nagniraky andrareo taminahy atiky ho: 24'Izao gny zakan'i Yaveh: Ingo, eo apindesa loza eto amity toera tihoky vo reo poniny zaho, reo ozo aby ze fa voasorasy tao amigny boky ze fa voavakin'ereo teo agnatrehanigny pazakan'i Joda. 25Akory fa nahafo anahy dra fa nagnoro gny liti-kazo magnisy ho an'ireo zagnahary hafa ereo, ba hiasia anahy amigny fahasiaha tamireo raha aby nataon'ereo__noho izay dra hiraraky amity toera tihoky gny fahasiahako, dra sy ho maty zay.'26Fa ho anigny pazakan'i Joda, ze nagniraky andrareo ba hagnotany an'i Yaveh ze tokony hataony, dra izao gny ho zakandrareo aminazy: "Yaveh, gny Zagnaharin'Israely mizaka anizao: Gny amigny zaka ze renao, 27akory hanao dra so-po, vo nagnetry tegna teo agnatrehan'Agnahary gny fa renao gny zakany hamely anity toera tihoky vo reo poniny, dra akory hanao nanetry tegna agnatrehany dra agnatrehako, dra fa niteno anao avo koa zaho__izay gny fagnambaran'i Yaveh__28ingo, havory ho eo amireo razambenao hanao. Ho voavory ao amigny lolonao apedagna hanao, dra gny masonao dra sy hahita gny loza ze handesiko eto amity toera tihoky vo reo poniny."' Nandesin'ireo lelahy tagny amigny pazaka izay hafasy zay.29Boak'eo gny pazaka nagniraky pinday hafasy dra namory gny loholon'i Joda vo Jerosalema aby. 30Dra niakasy tao atragnon'i Yaveh gny pazaka, vo reo lelahin'i Joda aby dra reo ponin'i Jerosalema, vo reo pisoro, reo Levita, dra gny vahoaky aby, hatramigny kely. Dra nivakiny tamin'ereo gny zaka aby bokinigny Fagneke ze hita tao atragnon'i Yaveh.31Nisanga teo amigny fitoerany gny pazaka dra nanao fagneke teo agnatrehan'i Yaveh, fa hagnaraky an'i Yaveh, dra reo lalany, amigny fony aby vo gny fagnahiny aby, hakato reo zakanigny fagneke ze voasorasy ao amizay boky zay. 32Nizaka tamigny olo aby ze hita tao Jerosalema vo Benjamina izy ba hagneky gny fagneke. Tamigny fakatoava gny nanovanigny ponin'i Jerosalema gny fagneken'Agnahary, gny zagnahary gny razamben'ereo.33Nalan'i Josia teo amigny tany reo raha fahavetaveta aby ze anigny vahoakin'Israely. Napanopoany an'i Yaveh, Zagnaharin'ereo gny olo aby tagny Israely. Fa tamigny androny aby, dra sy nivily tamigny fagnaraha an'i Yaveh, gny zagnahariny gny razambeny ereo.
Chapter 35

1Nitandry gny Paska ho an'i Yaveh tao Jerosalema i Josia, dra nivonony reo tamigny andro fahaefasy ambin'ny folon'ny vola volohany reo agnondrin'ny paska. 2Napetrany tegny amigny fitoerany reo pisoro dra napahereziny tamigny asa fanopoa gny tragnon'i Yaveh izy reo.3Hoy izy tamireo Levita ze napianasy gny Israely aby vo ze voatoka ho an'i Yaveh ho: "Apetraho ao amigny tragno ze namboaran'i Solomona zanak'i Davida, pazakan'Israely gny fiara masy. Ka zaka egny amigny soroandrareo sasy zay. Dra derao Yaveh Zagnaharindrareo, dra topoy Israely vahoany. 4Mifandamina handrareo araky gny agnaranigny firazagnandrareo vo gny fizarandrareo, araky reo toromariky nisoratin'i Davida, pazakan'Israely, vo reo an'i Solomona, zanadahiny.5Mizoroa egny amigny fitoera masy, takaro gny toerandrareo vo gny fizarandrareo ao amigny taranak'ireo rahalahindrareo, reo taranaky gny vahoaky, dra alao gny toerandrareo vo gny firazagnandrareo ao amigny taranakigny razamben'ireo Levita. 6Vonoy gny agnondrinigny Paska, hamasigno gny vatandrareo, omano ho an'ireo rahalahindrareo gny agnondry, ba hatao araky gny zakan'i Yaveh ze name tamigny alalanigny tagnan'i Mosesy."7Nagnome agnondry telo aly ho anigny vahoaky aby Josia dra zanak'osy tamireo agnondry aman'osy ho aamigny fagnatisy gny Paska ho an'ireo aby ze nagnatriky. Nagnome agnomby telo arivo avo koa izy; reo dra avy tamigny faranigny pazaka. 8Reo pitariny dra nagnome fagnati-sitrapo ho anigny vahoaky, reo pisoro, dra reo Levita. Hilkia, Zakaria, dra Jehiela, manam-boninahisy niatraikisy gny tragnon'Agnahary, dra nagnome zana biby teza 2.600 vo agnomby telozato ho fagnatisy gny Paska ho an'ireo pisoro. 9konania, vo Semahia dra Natanaela, rahalahiny, vo lahiben'ireo levita avo koa, dra nagnome biby teza masaiky dimy arivo vo agnomby dima-zato ho fagnatisy gny Paska ho an'ireo Levita.10Ko dra vonona gny fanopoa, dra nipetraky tegny amigny fitoerany reo pisoro, niaraky tamireo Levita araky gny fizaran'ereo, ho valinigny didinigny pazaka. 11Nivonon'ereo gny agnondry Paska, dra nafafin'ireo pisoro gny lio ze nitakarin'ereo boak'amigny tagnan'ireo Levita, dra reo Levita nangalaky gny holon'ireo zanak'agnondry. 12Nalan'ereo gny fagnatisy oroa, ba hizara reo ho an'ireo fizaranigny taranaky vahoaky, ba hanolora reo ho an'i Yaveh, araky gny voasorasy tao amigny Bokin'i Mosesy. Nataon'ereo manahaky anizay koa reo agnomby.13Nataon'izy reo tamigny afo araky gny toromariky reo zanak'agnondrin'ny Paska. Gny ami'reo fagnatisy nohamasigny, dra nampangotrahin'izy reo tao agnaty vilagny, vilagnibe, vo fagnindaza reo, dra nilazan'ereo malaky tagny amigny vahoaky aby zay. 14Tafaran'izay dra nagnoma fagnatisy ho an'ny tegnan'izy reo vo ho an'ireo pisoro izy reo, satria reo pisoro, taranak'i Arona, dra sahira tamigny fanolora gny fagnatisy oroa vo gny sabora mandra-paha harivanigny andro, ko dra nognoma reo fagnitisy honasy ho anereo vo gny pisoro, taran'i Arona, reo Levita.15Reo pihira, taranak'i Asafa, dra tao amigny toeran'izy reo, araky gny torolalan'i davida, Asafa, Hemana, dra Jedotona paminanin'ny pazaka, dra reo piamby zaka amigny vavahady aby. Sy nahazo nagnenga gny toera izy reo, satria reo Levita rahalahin'izy reo dra nanao fagnomana hon'azy reo.16Noho zay, tamigny fotoa zay gny asa fanopoa an'i Yaveh aby dra nitaterahiny ho amigny fakalazana gny Paska vo hagnomeza fagnatisy oroa eo amigny alitaran'i Yaveh, araky gny nandidian'i josia pazaka. 17Gny vahoakin'Israely zay nagnatriky dra nitandry gny Paska tami'zay fotoa zay, dra avy eo gny firavoravoa amigny Mofo sy misy masirasira nandrisy gny fito andro.18Sy bo nisy fakalazana gny Paska manahaky zay tao Israely nanomboky tamigny andron'i Samoela paminany, dra sy nisy vatany tami'reo pazakan'Israely hafa nakalaza gny Paska manahaky gny nataon'i Josia, nindray tami'reo pisoro, Levita, vo gny vahoakin'i Joda vo Israely aby zay nagnatriky, dra reo piny tao Jerosalema. 19Notamdrova zay Paska zay tamigny fahavalo ambin'ny folo tao nazakan'i Josia.20Tafaran'izay aby zay, tafaran'ny nametrahan'i Josia gny tepoliny tamigny laoniny, dra niakasy ba hialy ami'reo Karkemisy tao amigny ony Eofrata i Neko, pazakan'i Egypta, dra Josia nandeha nialy taminazy. 21Saingy nandefa masoivoho tagny aminazy i Neko, nizaka ho: ''Ino gny tokony hataoko anao, ry pazakan'i Joda? Sy avy hanohisy anao zaho anio, fa hanohisy gny tragno zay hialiako . Nasain'i Zagnahary nandeha malaky zaho, dra manindria fo amigny fanohera an'i Zagnahary, zay momba anahy, gny sy zay handringa anao izy.'''22Na zay aza, dra nanda gny nagnenga anazy Josia. Noly nanova tava izy ba hahafahany mialy aminazy. Sy niteno reo zakan'i Neko zay avy amigny vavan'i Zagnahary izy; dra nandeha nialy tagny amigny Lohasahan'i Megido izy.23Nitifirin'ny pandefa zana-sipiky i Josia pazaka, dra hoy gny pazaka tami'reo panopony ho: ''Eto zaho, fa tena marasy fatrasy.''' 24Dra naboak'ireo panopony avy tao amigny kalesy izy, dra napetrany tao amigny fagnapi-kalesiny. Nandesiny reo tagny Jerosalema, zay nahafatesany izy. Nangany tao amigny lolon'ireo razambenyizy. Nandala an'i Josia gny Joda vo Jerosalema aby.25Nanao hira fisogna ho an'i josia i Jeremia; gny pihira lahy vo vavy aby dra misaona an'i Josia mandrakak'ehitriny. Reo hira reo dra avy fomba tao Israely; ingo, voasorasy ao amigny hira fisogna reo. 26Gny ami'reo raha mahakasiky an'i Josia, vo reo asa soa nataony tamigny fakatoava zay voasorasy tao amigny lalan'i Yaveh__27Dra reo asany, nanomboky tagny am-piandohany hatramigny fiafarany, dra voasorasy ao amigny bokin'ireo pazakan'i Joda vo Israely.
Chapter 36

1Boak'eo gny olo tao amigny tany nangalaky an'i Joahaza zanadahin'i Josia, dra nanao anazy pazaka teo amigny toeranigny babany tao Jerosalema. 2Telo amby ropolo tao Joahaza raha nanomboky nazaka, dra nazaka telo vola tao Jerosalema izy.3Nalanigny pazakan'i Egypta tao Jerosalema izy, dra gny tany napandoaviny taleta volafosy zato vo taleta volamena raiky. 4Nataonigny pazakan'i Egypta ho pazaka nanera gny Joda i Eliakima rahalahiny, dra nagnova gny agnarany ho Joiakima. Boak'eo nalany i Joahaza rahalahin'i Eliakima dra nandesiny tagny Egypta.5Dimy amby ropolo tao i Joiakima tamin'izy nanomboky nazaka, dra nazaka raiky ambiny folo tao tao Jerosalema izy. Nanao rasy teo amason'i Yaveh zagnahary izy. 6Boak'eo Nebokadnezara, pazakan'i Babylona, nanafiky anazy vo namehy anazy tamigny ravaky ba hitariha anazy ho agny Babylona. 7Ninday gny ilany tamireo raha tao atragnon'i Yaveh avo koa Nebokadnezara, dra nametraky reo tany amigny lapany tagny Babylona.8Raha gny amireo raharaha hafa mahakasiky an'i Joiakima, reo raha mahasiravy ze nataony, vo ze hita nanohisy anazy, dra ingo, voasorasy ao amigny bokinigny tatararan'ireo pazakan'i Joda vo Israely reo. Dra Joiakima, zanadahiny, gny lasa pazaka teo amigny toerany.9Valo tao Joiakima tamin'izy nanomboky nazaka; nazaka telo vola vo folo andro tao Jerosalema izy. Nanao rasy teo amason'i Yaveh izy. 10Tamigny lohatao, dra nagniraky lelahy i Nebokadnezara dra ninday anazy tagny Babylona, niaraky tamireo raha sarobily boak'ao atragnon'i Yaveh, dra nanao an'i Zedekia, havany, ho pazaka nanera an'i Joda vo Jerosalema.11Raiky amby ropolo tao Zedekia tamin'izy nanomboky nazaka; nazaka raiky ambiny folo tao tao Jerosalema izy. 12Nanao rasy teo amason'i Yaveh Zagnahariny izy. Dra sy nagnetry tegna nanoloa an'i Jeremia paminany, ze nizaka tamigny vavan'i Yaveh izy.13Zedekia avo koa dra nikony tamin'i Nebokadnezara, ze napiania anazy sy fivadiha taminazy tamigny alalan'Agnahary. Kanefa zedekia nagneza gny hatony dra nagnamafy gny fony ba sy hitoliky amin'i Yaveh, gny Zagnaharin'Israely. 14Fagnapin'izay, reo pitariky gny pisoro vo gny vahoaky dra sy nahatoky tateraky, dra nagnaraky gny fomba mahasiravin'ireo firenena ereo. Niloton'ereo gny tragnon'i Yaveh ze nihamasigniny tagny Jerosalema.15Yaveh, gny Zagnahariny gny razamben'ereo, dra nandefa zaka avo tamin'ereo tamigny lalan'ireo pinday hafany, akory nana fangoraha-po tamigny vahoakiny vo tamigny toera nipetrahany Izy. 16Kanefa naneso reo pinday hafas'Agnahary ereo, nanao sinosino gny zakany, dra nanirasira reo paminany, mandra-piharanigny fahatezeran'i Yaveh tamigny vahoakiny, ambara-paha sy nisy fagnapia ho anizay sasy.17Noho izay dra nandesin'Agnahary teo amin'ereo gny pazakan'ireo Kaldeana, ze namono gny zatovolahin'ereo tamigny sabasy tagny amigny tragno fiteora masy, dra sy nana fangoraha-po tamireo zatovolahy na reo viriziny, na gny olo atisy na gny fosy volo. natolos'Agnahary teo atanany avokoa izy aby.18Reo fanaky aby tao an-tragnon'Agnahary, na lahibe na masaiky, reo harena tao atragnon'i Yaveh, vo reo harenigny pazaka vo reo manam-boninahiny__nandesiny tagny Babylona reo aby reo. 19Noroan'ereo gny tragnon'Agnahary, naroda gny mandan'i Jerosalema, noroa gny lapany aby, dra nipotehy reo raha soa tarehy aby tao amizay.20Nandersinigny pazaka tagny Babylona reo ze sy trasinigny sabasy. Lasa panopony vo an'ireo zanadahiny ereo mandra-pazakanigny fazakan'i Persia. 21Nitranga izay ba hahatateraky gny zakan'i Yaveh tamigny vavan'i Jeremia, mandra-pakafizanigny tany gny fisaharany amigny Sabasy. Nagnara-maso gny sabatany ereo raha rava vo holo zay, ba hiay fito-polo tao manahaky anizay.22Dra tamigny tao volohany nazakan'i Kyrosy, pazakan'i Persia, ba hahatateraky gny zakan'i Yaveh tamigny vavan'i Jeremia, dra nandrisiky gny fagnahin'i Kyrosy, pazakan'i Persia i Yaveh, ba hanovany fagnambara manera gny fazakany aby, dra hanorasy anizay avo koa. Hoy izy ho: 23"Izao gny ambaran'i Kyrosy, pazakan'i Persia: Yaveh, gny Zagnahariny gny lagnisy, gny nagnome anahy gny fazakanigny tany aby. Nandidy anahy izy ba hananga tragnoho anazy agny Jerosalema, ze agny Joda. Na iza na iza eo amindrareo avy amigny vahoakiny aby, dra homba andrareo anie Yaveh zagnaharindrareo. Aoky izy hiakasy agny amigny tany."

Ezra

Chapter 1Tamin'gny tao volohany nanzakan'i Kyrosy, pazakan'i Pesia, dra nagnatateraky gny zakany ze naloaku gny vavan'i Jeremia, ze nagnetana gny fagnahin'i Kyrosy i Yaveh. Niboaky nanera gny fanzakany manotolo gny feon'i Kyrosy. Zeho gny voasorasy sady voazaka:

2"Kyrosy, pazakan'i Persia, dra mizaka ho: Yaveh, Zagnahary gny lagnisy, gny nagnome anahy gny fanzakan'aby amin'gny tany, sady nanendry anahy hagnory tragno agny Jerosalema agny Joda ho Anazy.3Ndre ia ndre ia boaky amin'gny vahoakiny (hiahy anazy ra gny Zagnahariny) dra faky miakasy agny Jerosalema dra hagnory tragno ho an'i Yaveh, Zagnaharin'Israely, gny Zagnahary ze agny Jerosalema. 4Gny olony ze agnatin'gny fanzaka ze hitobian'ireo sisa tavela ao amin'izeho tany zeho dra tokony hagnome anazy reo volafosy vo volamena, fanagna vo biby, vo koa fagnati-sitrapo ho an'gny tragnon'Agnahary agny Jerosalema."5Bokeo nisanga reo lohan'ireo razamben'ireo fianakaviam-ben'i Joda vo Benjamina, reo pisoro vo levita, vo gny iaby ze netagnin'Agnahary gny fagnahiny so handeha vo hagnory gny tragnony.6 Reo nagnodidy andreo dra nanoha gny asan'ereo tamin'gny raha volafosy vo volamena, fanagna, biby, raha soa, vo fagnati-sitrapo.7Naboakin'i Kyrosy pazaka avo koa reo raha tao an-tragnon'i Yaveh ze nandesin'i Nebokadnezara lat'agny Jerosalema dra napetrany tao amin'gny tragnon'ireo zagnahariny manoka.8 Napetrak'i Kyrosy teo an-tagnan'i Mitredata pitavhiry vola, ze nagnisa reo ho an'i Sesbazara, pitariky an'i Joda zeho.9Tahokyn gny isan'ireo: koveta volamena telopolo, koveta volafosy arivo, koveta sivy amby ropolo hafa,10 lasety zobo volamena telopolo, lasety zobo volafosy 410, vo raha hafa arivo fagnapiny. 11Nisy fanaky 5.400 volamena vo volafosy no atambasy. Nandesin'i Sesbazara reo aby reo nofa nienga lat'agny Babylona nagnagny Jerosalema reo sesitany.
Chapter 2

1Tahoky aby reo olo amin'gny faritany ze niakasy boaky tamin'gny fambaboan'i Nebokadnezara pazaka, ze nahy sesitany andreo tahny Babylona, reo olo ze nihery tagny amin'gny tanan'ereo kiraikiraiky agny Jerosalema vo gny Joda.2 Avy nindray tamin'i Zerobabela, Josoa, Nehemia, Seraia, Relaia, Mordekay, Bilsana, Mispara, Bigvay, Rehoma vo Bana ereo. Tahoky gny lisitr'ireo olon'gny vahoakin'Israely.3Reo taranak'i parosy dra: 2.172. 4Reo taranak'i Sefatia dra: 371. Reo5 taranak'i Ara dra: 775. 6Reo taranak'i Pahatamoaba, boaky tamin'i Jesoa vo Joaba dra: 2.812.7Reo taranak'i Eliama dra: 1.251. 8Reo taranak'i Zato dra: 945. 9reo taranak'i Zakay dra: 760. 10Reo taranak'i Bany dra: 64211Reo taranak'i Bebay dra: 623. 12Reo taranak'i Azgada dra 1.222. 13Reo taranak'i Adonikama dra: 666. 14Reo taranak'i Bigvay dra 2.056.15Reo taranak'i Adina dra: 454. 16Reo olon'i Atera, boaky tamin'i Hezekia dra: valo amby sivifola. 17Reo taranak'i Bezay dra: 323. 18Reo taranak'i Jora dra: 112.19Reo olon'i Hasoma dra: 223.20 Reo olon'i Gibara dra dimy amby sivifolo. 21Reo olon'i Betlehema dra: 123. 22Reo olon'i Nefota dra: eny amby dimampolo.23Reo olon'i Anatota dra: 128. 24Reo olon'i Azmaveta dra: ro amby efapolo. 25Reo olon'i Kiriat-Arima, Kefira vo Berota dra: 743. 26Reo olon'i Rama vo Gaba ddra: 621.27Reo olon'i Mikmasy dra: 122.28 Reo olon'i Betela vo Ay dra: 223. 29Reo olon'i Nebo dra: ro amby dimampolo. 30Reo olon'i Magbisy dra: 156.31Reo olon'i Elama hafa dra: 1.254. 32Reo olon'i Harima dra: 320. 33Reo olon'i Loda, Hadida, vo Ono dra: 725.34Reo olon'i Jeriko dra: 345. 35Reo olon'i Sena dra: 3.63036Reo pisoro: reo taranak'i Jedaia boaky amin'gny hasaveregnan'i Jesoa dra:973. 37Reo taranak'Imera dra 1.052. 38Reo taranak'i Pasora: 1.247. 39Reo taranak'i Harima dra: 1.047.40Reo Levita: reo taranak'i Jesoa vo Kasmiela, reo taranak'i Hodavia dra efasy amby fitopolo. 41Reo pihira ao an-tepoly, taranak'i Asafa dra: 128. 42Reo taranak'ireo piamby vavahady; reo taranak'i Saloma, atera, Talmona, Akoba, Hatita, vo Sobay dra: 139 gny fitambarany.43Reo ze notendre so hanopo ao amin'gny tepoly dra: reo taranak'i Ziha, Hasofa, Tabaota, 44Kerosa, Siaha, Padona, 45Lebana, Hagabaha, Akoba, 46Hagaba, Salmay, vo Hanana.47Reo taranak'i Gidela dra: Gahara, Reaia, 48Rezina, Nekoda, Gazama.49 Oza, Pasea, Besai, 50Asna, Meonita vo Nefisita.51Reo taranak'i Bakboka: Hakofa, Harora, 52Bazlota, Mehida, Harsa, 53Barkosa, Sisera, Tema, 54Nezia, vo Hatifa.55Reo taranak'ireo panopon'i Solomona dra: reo taranak'i Sotahy, Sofereta, Peroda, 56Jala, Darkona, Gidela, 57Sefatia, Hatila, Pokereta-Hazebaima, vo i Amy. 58392 gny fitambaran'gny taranak'ireo ze nitendre hanopo ao amin'gny tepoly vo reo taranak'ireo panopon'i Solomona.59Reo ze nanenga an'i Tela-Mela, Tela-Harsa, Keroba, Adana vo Imera--- fe sy afaky gny hagnamary reo razamben'ereo boaky amin'Israely60 --- dra agnisan'izeho reo taranaky 652 an'i Delaia, Tobia, vo Nekoda61Boaky amin'gny taranak'ireo pisoro avo koa dra: reo taranak'i Habaia, Hazoka, barzilay (ze nangalaky valy gny zanak'apelan'i Barzilay boaky agny Gileada ze nitokavy tamin'gny agnaran'ereo). 62Nitalia gny rakisy gny tetiarany ereo, fe sy nahita anizeho, koa dra voaroaky hanahaky gny maloto tamin'gny fisorona ereo. 63Dra nambaran'gny governora tamin'ereo fa sy mahazo mihina amin'ireo soro masy ereo mandra-paneken'gny pisoro raiky ze manday agny Orima vo Tomima.64Gny fitambaran'gny vondro manotolo dra niisa 42.360, 65sy agnatin'izeho reo panopon'ereo vo gny ankizivavin'ereo (reo dra niisa 7.337) dra reo lelahy vo apela pihiran'gny tepolin'ereo66Gny sovalin'ereo dra: 736. Gny ampondran'ereo dra: 245. 67Gny ramevan'ereo dra: 435. Vo gny borikin'ereo dra; 6.720.68Nofa nandeha tagny amin'gny tragnon'i Yaveh tagny Jeosalema ereo, dra nanolosy fagnomeza an-sitrapo reo lahiben'gny patriarka so hagnorena gny tragno. 69Nagnome araky gny fahafahany amin'gny petra-bolan'gn asa ereo: darika volamena arivo vo eny aly, mane volafosy dimy arivo, vo akazo fisorona zato.70Dra reo pisoro vo reo Levita, gny vahoaky, reo pihiran'gny tepoly vo reo piamby vavahady, vo reo ze nitendre hanopo gny tepoly dra nony tao amin'ireo tanany. Gny olo aby tao Israely dra tao amin'ireo tanany aby.
Chapter 3

1Tamin'gny vola fahafito nofa avy nihery tagny an-tanany aby gny vahoakin'Israely, gny nivorin'ereo ho ray tagny Jerosalema. 2Nienga dra nananga gny alitaran'gny Zagnahar'Israely i Jesoa zanadahin'i Jozadaka vo pisoro rahalahiny, vo Zerobabela zanadahin'i Sealtiela, mbamin'ireo rahalahiny so hanolosy fagnatisy oroa araky gny voalily ao amin'gny lalagnan'i Mosesy, gny lelahin'Agnahary.3Dra natobok'ereo teo amin'gny fitoerany gny alitara, fa naneniky andreo gny horohoro nohon'gny amin'gny olon'gny tany. Nanolosy fagnatisy oroa ho an'i Yaveh vo mangiran-drasy vo tamin'gny hariva ereo. 4Nitandry gny Firavoravoan'gny Felofa avo koa ereo araky gny voasorasy dra nanolosy fagnatisy oroa isan'andro araky gny lily, arak gny andraikisy isan'andro aby.5 Araky zeho, dra nisy gny fagnatisy oroa andavanandro vo isam-boloana vo fagnatisy ho an'ireo firavoravoan'i Yaveh fa voatondro aby, mbamin'ireo fagnati-sitrapo aby.6Nanomboky nanolosy fagnatisy oroa ho an'i yaveh ereo gny andro volohany tamin'gny vola fahafito, ndre dra bo sy voaisy fotosy aza gny tepoly. Koa dra nomen'ereo volafosy aby reo panao vato vo reo panao tao-raha, 7dra nomen'ereo sakafo, raha finomy, vo menaky gny vahoakin'i Sidona vo Tyra, dra nanday hazo sedera tegny an-dranomasy lat'agny Libanona dra hatragny Jopa ereo, araky gny nagnomezan'i Kyrosy, pazakn'i Persia alala andreo.8Vo tamin'gny vola faharo tamin'gny tao faharo tafaran'gny nadehan'ereo tao an-tragnon'Agnahary tao Jerosalema, gny nanomboky niasa i Zerobabela, i Jesoa zanadahin'i Jozadaka, reo pisoro sisa, reo Levita,vo reo ze avy boaky tagny amin'gny fahababoa nihery tagny Jerosalema. Nanendry reo Levita ropola tao gny ho miakasy ereo so hagnara-maso gny asan'gny tragnon'i Yaveh. 9Napetrak'i Jesoa so hagnara-maso gny olo manao asa fagnorena gny tragnon'Agnahary reo zanadahiny vo reo rahalahiny, i Kadmiela vo reo zanany, vo reo taranak'i Joda. Nindray tamin'ereo avo koa ireo taranak'i Henadada, gny taranany, vo reo Levita namany.10Nametraky fotosy ho an'gny Tepolin'i Yaveh reo pagnory. Nahafahan'ireo pisoro nisanga nanao reo akazony mindray amin'gny asiva zeho, vo nahafahan'ireo Levita, reo zanadahin'i Asafa, niansa an'i Yaveh tamin'gny kipanso, araky gny nandilian'gny tagnan'i Davida, pazakan'Israely.11 Niansa fidera vo fisora ho an'i yaveh ereo ho: 'Soa Izy! Maharisy mandrakizay gny fanekeny mahatoky amin'Israely." Nihorakoraky fatrasy tamin'gny korakim-pifalia ho fidera an'i Yaveh gny vahoaky aby fa voapetraky gny fotosy ioeran'gny tepoly.12Fe maro tamin'ireo pisoro Levita, lohan'gny patriarka, vo reo zokiolo ze nahita gny tragno volohany gny nitomany fatrasy, nofa voapetraky teo agnoloan'gny mason'ereo zeho fotosy ioregnan'izeho tragno zeho. Fa maro gny nihiaky fifalia tam-piravboravoa vo tamin'gny feo mangitakitaky.13 Vokas'izeho, sy afaky nagnavaky gny feo falifaly vo ravpravo tamin'ireo feon'olo nitomagny gny vahoaky, akory nikoraky fatrasy tamin'gny fifalia lahibe gny olo, dra re boaky lavisy vatany gny feo.
Chapter 4

1Vo reo sasany tamin'gny fahavalon'i Joda vo Benjamina dra nahare fa gny vahoaky ze nahy sesitany dra magnory tepoly ho an'i Yaveh, gny Zagnaharin'Israely amizao. 2Dra nagnato an'i Zerobabela vo reo lohan'gny fokon'gny razambe ereo. Ho ereo tamin'ereo ho: 'Engao zahay hagnory hindray amindrareo, fa akory, mitalia gny Zagnaharindrareo, manahaky andrareo zahay, vo nanao soro ho Anazy hatramin'gny andro nandesan'i Esara-hadona, pazakan'i Asyria, anay teto amin'itiky toera tiky."Fa i Zerobabela, Jesoa, vo reo lohan'gny fokon'gny razamben'ereo nanao ho: "Sy handrareo, fa zahay gny sy mainsy magnory gny tragnon'gny Zagnaharinay, akory zahay gny hagnory ho an'i Yaveh, Zagnaharin'israely, araky ze nandilian'i Kyrosy pazakan'i Persia."4Dra nahin'ireo vahoakin'gny tany nalemy gny tagnan'ireo Jodiana; nahin'ereo natahosy gny hagnory reo Jodiana. 5Nolangolangoin'ereo avo koa gny panolon-say so hahafoa gny tetik'ereo. Nandrisy gny andron'i Kyrosy aby vo tamin'gny fanzakan'i Dariosy pazakan'i Persia ereo gny nanao anizeho. 6Vo tamin'gny fiandohan'gny fanzakan'i Ahasoerosy dra nanorasy fiapanga an'ireo Joda vo Jerosalema ereo.7Nandrisy gny andron'i Ahasoerosy gny anoratan'i Bislama, Mitredata, tabela, vo reo namany ho an'i Ahsoerosy, Nisorata tamin'gny Aramaika gny taratasy dra nadika. 8Rehoma pifehy vo i Simsay panora-dala dra nanorasy mahakasik'i Jerosalema ho an'i Artaksersesy.9bokeo i Rehoma, Simsay, vo reo naman'ere, ze pisara vo manam-boninahisy hafa tao amin'gny governemanta, boaky agny Ereka, Babyloaba, vo Sosa boaky agny Elama dra nanorasy taratasy--- 10mbamin'ireo vahoaky ze niseren'i Asnapara lahibe sady mana-kaza hagnorim-ponegna tagny Samaria, nindray tamin'ireo sisa ze tagny amin'gny Faritany Andafin'gny Ony.11Tihoky dra dika mitovy amin'gny lahasorasy tagny amin'i Artaksersesy: 'Reo panoponiha, olo boaky amin'gny Faritany Andafin'gny Ony, gny manorasy zao: 12Aoky gny pazaka hahafatasy fa reo Jiosy ze boaky tagny aminiha dra avy hanohisy anay atiky Jerosalema so hagnosy tana pikomy. Ereo dra nanapy gny fefy sady nagnamboasy gny fotosy.13Dra aoky gny pazaka hahafatasy fa no voaory zeho tana zeho dra voatapy gny fefy, dra sy hagnome haba vo hetra ereo, fa hagnisy rasy reo pazaka.14Tena zehoo vatany akory nihina tamin'gny siran'gny lapa zahay, dra sy mety aminay gny hahita gny fahafaham-baraka hiseho amin'gny pazak. Noho zeho gny hapahafataranay gny pazaka15 so hitalia gny firaketa an-sorasy gny raniha vo hagnamary fa tana pikomy ze hagnisy rasy gny pazaka vo reo faritany iho. Nahavy olo maro ho an'i pazaka hatry gny ela ereo. Foiben'gny fikomia hatry gny ela izy iho. Noh zeho antony zeho gny naharava gny tana. 16Maphafatasy gny pazaka zahay fa no voaory iho tana vo fefy iho, dra sy hisy ndre ino ndre ino ho tavela ho aniha ao amin'gny Faritany Andafin'gny Ony.17Dra nandefa valinteny tagny amin'i Rehoma vo Simsay vo reo namany tao Samaria vo reo ambiny ze tao amin'gny Faritany Andafin'gny Ony gny pazaka ho: 'Fiadagna ra ho andrareo. 18Gny taratasy ze nalendrareo ho anahy dra fa voadika sady nivakia taminahy. 19Dra napanao fagnadihadiha zaho dra nahafatasy fa tamin'gny andro taloha dra fa nikomy nanohiasy reo pazaka ereo.20Reo pazaka mahery dra nanapaky teo amin'i Jerosalema sady nana fahefa tamin'gny raha aby tao amin'gny Faritany Andafin'gny Ony. Naloa tamin'ereo gny haba vo reo hetra. 21Amizao, manaova lalagna ho an'ireo lelahy reo so hagnazano vo sy hagnory iho tan iho ereo mandra-panaovako lalagna. 22Mitandrema so sy hanao siramby anizeho. nagnino zeho fandrahogna zeho gny enga hitombo dra ho fatiantoky fahavereza maro ho an'gny tombonsoan'gny fanzaka?23Nofa nivakia teo agnatrahan'i Rehoma , Simsay, vo reo namay, gny lalagnan'i Artarkersesy Pazaka, dra niboaky an'i Jerosalema malaky sady nisery reo Jiosy so hagnazano gny fagnoregna. 24Dra nizano gny asa fanaova gny tragnon'Agnahary tao Jerosalema amandra-pahavin'gny tao faharon'gny fanzakan'i Dariosy pazakan'i Persia.
Chapter 5

1Vo Hagay paminany vo Zakaria zanadahin'Ido paminany dra naminany tamin'gny agnaran'gny Zagnaharin'Israely tamin'ireo Jjiosy tao Joda vo Jerosalema. 2Nisanga Zerobabela zanadahin'i Sealtiel vo Jesoa zanadahin'i Jozadaka dra nanomboky nagnamboasy gny tragnon'Agnahary tao Jerosalema nindray tamin'ireo paminany ze napahery andreo.3Bokeo i Tatenay governoran'gny Faritany tagny Andafin'gny Ony, Setara Bozenay, vo reo piara-dia aminzay dra avy sady nizaka tamin'ereo ho: 'Ia gny nandily andrareo hagnamboasy iho tragno iho sady hamita reo fefy reo?"4 Ho avo koa ereo: "Ia aby gny agnaran'ireo lelahy nagnamboasy iho tragno iho?5 Fa gny mason'Agnahary dra teo amin'ireo loholo Jiosy dra nanaka andreo gny fahvalon'ereo. Niamy taratasy ho lasa agny amin'gny pazaka vo lalagna hihery anin'ereo mahakasiky anizeho ereo.6Tihoky gny dika mitovin'gny taratasin'i Tatenay, governoran'gny Faritany tagny Andafin'gny Ony, vo Setara Bozenay vo reo piara miasa taminazy tagny amin'gny Faritany tagny Andafin'gny Ony, ze nalefan'ereo ho an'i Dariosy pazaka. 7Nandefa tatisy ereo, nanorasy zeho ho an'i Dariosy pazaka ho: "Ho aniha ra gny fiadagna aby.8Aoky ho fatasy gny pazaka fa zahay dra nagnagny Joda ho agny amin'gny tragnon'Agnahary lahibe. Zeho dra haory amin'ireo vato vavety vo hazo matevy apetraky amin'ireo fefy. Fa ahy soa mihisy gny asa dra mandroso soa eo am-pelatagnan'ereo. 9Nagnotany reo loholo zahay ho; 'Ia gny nagnome andrareo lalagna hagnamboasy iho tragno iho vo reo fefy reo?' 10Nagnotany gny agnaran'ereo avo koa zahay so hahafataraniha gny agnaran'gny lelahy kiraikiraiky aby ze nitariky andreo.11Namaly ereo dra nanao ho: 'Zahay dra panonpon'Gny Raiky ze Zagnahary gny lagnisy vo gny tany, vo zahay dra mapihery mananga gny tragno ze namboary tao maro tagny aloha nofa nagnory anizeho gny pazaka lahiben'Israely dra nahavita anizeho.12Ndre zeho aza, nofa napahaory an'gny Zagnahary gny lagnisy gny razambenay, dra natolony teo am-pelatagnan'i Nebokadnezara pazakan'i Babyloa ereo, ze nadrava iho tragno iho sady nangalaky gny olo ho sesitany tagny Babylona. 13Fe, tamin'gny tao volohany naha-pazakan'i babylona an'i Kyrosy, dra namoaky lily hagnamboara gny tragnion'Agnahary ndraiky i Kyrosy.14Naherin'i Kyrosy pazaka avo koa reo raha volamena vo volafosy tao an-tragnonAgnahary ze nandesin'i Nebokadnezara boaky tao amin'gny tepoly tao Jerosalema ho agny amin'gny tepoly tao Babylona. Reo dra nhery tamin'i Sesbazara, ze nahiny ho governora.15 Ho izy taminazy ho: 'Rambeso reo raha rao. Mandehana dra hapetraho ao amin'gny tepoly ao Jerosalema reo. Aoky gny tragnon'Agnahary ho hasanga agny."16Dra avy iho Sesbazara iho dra nametraky gny fotosy gny tragnon'Agnahary tao Jerosalema; dra namboary zaho, fa sy bo vita tateraky.'17Dra no sitraly gny pazaka, dra aoky ho zaha ao amin'gny tragno firaketa ao Babylona no misy lily hagnomboara gny trgnon'Agnahary ao Jerosalema boaky tamin'i Kyrosy pazaka ao.
Chapter 6

1Dra napanao fagnadihadiha tao amin'gny tragno firaketa tao Babylona iDariosy Pazaka. 2Tao amin'gny tana voaaron'i Akmeta ao Mediana gny nahita horonan-taratasy raiky; zao gny voarakisy tao:3" Tamin'gny tao volohany nanzaka'i Kyrosy Pazaka, dra namoaky lily mahakasikin'gny tragnon'Agnahary tao Jerosalema i Kyrosy ho: 'Aoky hasanga ndraiky gny tragno so ho toeran'gny soro, aoky hapetraky gny fotosy ioregnany, aoky ho enimpolo hakiho gny haabony, vo enimpolo hakiho gny sakany, 4mindray amin'gny vato lahibe telo andala vo hazo vaovao, dra aoky gny viliny haloa amin'gny tragnon'gny pazaka. 5Dra andeso mihery gny fitova volamena vo volafosy ze an'gny tragnon'Agnahary, ze nandesin'i Nebokadnezara boaky tagny amin'gny tepoly agny Jerosalema nagnagny Babylona dra aheregno ao amin'gny tepoly agny Jerosalema. Hanao gny hametraky reo ao an-tragnon'Agnahary.'6Vo Tatenay, governoran'gny Farisy Andafin'gny Ony, Setara Bozenay, vo reo piara-miasa ze agny amin'gny Farisy Andafin'gny Ony, miataha lavisy!7 Engao gny asa amin'itiky tragno tiky ho an'Agnahary raiky avo. Gny governora vo reo loholo Jiosy gny hananga tiky tragnon'Agnahary tiky amin'izeho toera zeho.8Mandily gny sy mainsy hanaovandrareo zeho ho an'ireo loholo ze mananga zeho tragnon'Agnahary zeho zaho: Gny vola boaky amin'gny hetran'gny pazaka boaky agny andafin'gny Ony gny hapiasa hagnakarama reo lelahy reo so sy hagnazanognan'ereo gny asany. 9Ndre ino ndre ino ila--- zanak'agnomby, agnondry lahy, na zanak'agnondry ho an'gny fagnatisy oroa ho an'gny Zagnahary gny Lagnisy, vary, sira, divay, na dililo araky gny lilin'ireo pisoro ao Jerosalema--- dra omeo andreo isan'andro sy tapaky reo raha reo.10 Ahivo zeho so handesan'ereo gny fagnatisy ho an'gny Zagnahary gny Lagnisy dra hivavaky ho anahy, pazaka, vo reo zanako.11Dra mandily zaho fa ndre ia ndre ia mandika iho lalagna iho, dra sy mainsy hangala andry raiky eo amin'gny tragnony vo sy mainsy hahanto amin'izeho izy. Dra sy mainsy hizary fako mivangongo noho zeho gny tragnony. 12Vo Zagnahary ze nahavy gny agnarany hitoesy teo ra handripaky ze pazaka na olo ze manandran-bata hagnova zeho lalagna zeho, na hanimba zeho tragnon'Agnahary ao Jerosalema zeho. Zaho, Dariosy, gny mandily anizeho. Aoky hahy am-pahazotoa zeho!"13Vo nohon'gny lala nalefan'i Dariosy pazaka, i Tatenay, gny governoran'gny Farisy Andafin'gny Ony, vo Setara Bozenay vo reo piara-miasa aminazy, dra nanao ze iaby nandilin'i Dariosy Pazaka.14 Ka dra nanaga araky ze natoron'i Hagay vo Zakaria tamin'gny faminania reo loholo Jiosy. Nasangan'ereo araky gny lilin'gny Zagnaharin'Israely vo Kyrosy, Dariosy, vo Artasersesy, pazakan'i Persia zeho. 15Dra vita gny tragno tamin'gny andro fahatelon'gny vola Adara, tamin'gny tao fahaeny nanzakan'i Dariosy Pazaka.16Nakalaza gny fanokana anizeho tragnon'Agnahary zeho tamin'gny fifalia gny vahoaky Israelita, reo pisoro, reo Levita, vo reo sisa tamin'ireo babo. 17Nanolosy agnomby zato, agnondry lahy zato, vo zanak'egnondry efazato ho an'gny fanokana gny tragnon'Agnahary ereo. Osy lahy ro ambin'gny folo avo koa gny natolosy ho fagnatisy nohon'gny ota ho an'Israely aby. 18Nanendry reo pisoro vo Levita tamin'gny fizaran'asa ho an'gny fanopoa an'Agnahary ao Jerosalema avo koa ereo araky gny voasorasy tao amin'gny Bokin'i Mosesy.19Vo reo ze boaky tagny an-sesitany dra nakalaza gny Paska tamin'gny andro fahaefasy ambin'gny folon'gny vola volohany. 20Reo pisoro vo gny Levita aby dra nagnalio gny vatany dra namono gny soron'gny Paska ho an'ireo ze boaky tagny an-sesitany aby, agnisan'izeho ereo.21Gny vahoaky Israelita ze nihina tamin'gny henan'gny Paska dra reo ze nihery boaky tagny an-sesitany vo nagnasaraky gny vatany tamin'gny fahaloton'gny vahoakin'gny tany dra nitalia an'i Yaveh, Zagnaharin'Israely. 22Nakalaza tamin'gny fifalia gny Firavoravoan'gny Mofo sy misy masirasira nandrisy gny fito andro ereo, akory i Yaveh dra fa nanday fifalia tamin'ereo dra nagnova gny fon'gny pazakan'i Asyria so hapatazaky gny tagnan'ereo tamin'gny asan'gny tragnony,dra gny tragnon'gny Zagnaharin'Israely.
Chapter 7

1Vo tafaran'izeho, nandrisy gny nanzakan'i Artaksersesy pazakan'i Persia, dra niakasy boaky tagny Babylona i Ezra. Reo razamben'i Ezra dra i Seraia, Azaria, Hilklay, 2Saloma,Zadoka, Ahitoba, 3Amaria, Azaria, Meraiota, 4Zerahia, OZy, Boky, 5Abisoa, Finehasa, Eleazara, ze zanadahin'i Arona pisoronabe.6Niakasy boaky tagny Babylona i Ezra izy dra panora-dalagna mahay soa gny lalagnan'i Mosesy, ze fa nomen'i Yaveh, Zagnaharin'Israely. Nomen'gny pazaka anazy ze iaby nangatahay akory niahin'gny tagnan'i Yaveh izy. 7Gny sasany tamin'ireo taranak'Israely vo reo pisoro, Levita, pihiran'gny tepoly, piamby vavahady, vo reo ze nitendre hanopo tao an-tepoly dra niaksy tagny Jerosalema avo koa tamin'gny tao fahafito ambin'gny folo nanzakan'i Artaksersesy Pazaka.8Dra avy tagny Jerosalema tamin'gny vola fahadimy tanin'iho tao iho avo izy. 9Niala tao babylona tamin'gny andro volohan'gny vola volohany izy. Tamin'gny andro volohan'gny vola fahdimy gny nahaviany tagny Jerosalema, akory niahin'gny tagnan'Agnahary izy.10 I Ezra dra nametraky gny fony so hianasy, hagnatateraky, vo hapianasy reo fisipiky vo reo lilin'gny lalagnan'i Yaveh.11Zeho gny lily ze nomen'i Artaksersesy pazaka an'i Ezra pisoro sady panora-dalagnan'gny lily aman-dalagnan'i Yaveh ho an'Israely: 12"Artaksersesy Pazakan'gny pazaka, ho an'i Ezra pisoro, panoran-dalagnan'gny lalan'Agnahary gny lagnisy. 13Zaho dra mandily fa gny olo aby boaky agny Israely ao amin'gny fanzakako mindray amin'ireo pisoro vo reo Levitan'ereo ze magniry gny andeha ho agny Jerosalema, dra afaky mindray aminiha.14Zaho, pazaka, vo reo panolosaiko fita, dra magniraky andrare aby so hagnotany mahakasiky an'i Joda vo Jerosalema araky gny lalagnan'Agnahary, ze eo an-tagnaniha. 15Sy mainsy andesindrareo gny volafosy vo gny volamena ze fa natolod'ereo an-kalalaha tamin'gny Zagnaharin'Israely, ze agny Jerosalema gny fonegnany. 16Omeo an-kahalalaha gny volafosy vo gny volamena aby ze nomen'gny Babylona aby nindray tamin'ize fa natolosy gny vahoaky vo reo pisoro an-kahalalaka ho an'gny tragnon'Agnahary agny Jerosalema.17Dra miviliana agnomby, agnondry lahy vo zanak'agnondry, vo fagnatisy hohany vo fagnatisy inomy maro be. Atolory eo amin'gny alitara ze ao amin'gny tragnon'gny Zagnahariniha agny Jerosalema ireo. 18Reo ambina volafosy vo volamena dra anaovy ze hitaniha fa soa ho aniha vo reo rahalahiniha, so hapifaly gny Zagnhariniha.19Apetraho eo agnatrehany ho an'gny asa fanopoa ao amin'gny tragnon'Agnahariniha agny Jerosalema reo raha ze nome aniha an-kalalaha. 20Ze raha hafa aby ilay ho an'gny tragnon'gny Zagnahariniha takianiha, dra alao ao amin'gny fitahirizan-drakisiko gny vilin'izeho.21Zaho, Artaksersesy Pazaka, dra manao lily ho an'ireo pitahisy vola agny amin'gny Faritany Andafin'gny Ony, fa gny raha aby ze angatahin'i Ezra aminiha dra tokony home manotolo, hatramin'gny taleta volafosy zato, vary zato kora, divay rato bata, vo dililo zato bata, 22vo koa sira sy misy fetrany. 23Ze raha aby boaky amin'gny lilin'gny Zagnahary gny Lagnisy, dra ahivo mindray amin'gny fanoloran-bata ho an'gny tragnony zeho. Fa nagnino gny hahoriany gny ho avy eo amin'gny fanzakako vo reo zanako lelahy?24Apahafatarinay andreo gny mahakasiky aniha ze sy hitaky haba na hetra amin'ireo pisoro aby, reo Levita, reo pitendry raha magneno, reo piamby vavahady , na eo amin'gny vahoaky nitendre ho amin'gny asan'gny tepoly vo reo panopon'gny tragnon'izeho Zagnahary zeho.25Ry Ezra, amin'gny fahendre ze fa nomen'Agnahary aniha, dra manendre pisara vo olo lalin-say hanopo reo vahoaky aby agny amin'gny Faritany Andafin'gny Ony, dra hanopo gny olo ze mahafatasy gny lalagnan'Agnahariha. Mapianara reo ze sy mahay gny Lalagna avo koa. 26Sazio gny olo ze sy magneky tateraky gny lalagnan'Agnahary na gny lalagnan'gny pzaka, na amin'gny fahafatesa, na fandroasa, fanagiaza gny fanagnan'ereo, na fagnagadra.27dera an'i Yaveh, Zagnahary gny razansika, ze nametraky zeho iaby zeho tao am-pon'gny pazaka so hagnomezam-boninahisy gny tragnon'i Yaveh agny Jerosalema, 28vo ze nagnome gny faneke mahatoky taminahy teo agnatrehan'gny pazaka, reo panolo-sainy, vo reo manam-pahefany mahery aby. Fa napatanzaha tamin'gny alalan'gny tagnan'i Yaveh Zagnahariko zaho, dra namory pitariky boaky amin'Israely so hindray aminahy.
Chapter 8

1ahoky aby reo pitariky gny fianakavian'gny razamben'ereo ze nanenga an'i Babylona niaraky taminahy nadrisy gny fanzakan'i Artaksersesy. 2Amin'gny taranak'i Finehasam dra i Gersona. Amin'gny taranak'i Itamara, dra i Daniela. Amin'gny taranak'i Davida, dra i Hatosy, 3ze boaky amin'gny taranak'i Sekania, ze boaky amin'gny taranak'i Parosy; vo Zakaria, dra nisy lelahy 150 voatanisa tao amon'gny rakisy gny tetiarany nindray taminazy.4Amin'gny taranak'i Pahata-moaba, dra Elihoenay zanadahin'i Zerahia vo nindray taminazy dra nisy ronzato lahy.5 Amin'gny taranak'i Sekania, dra Beni-Jahaziela vo nindray taminazy nisy telonzato lahy. 6Amin'gny taranak'i Adina, dra Edeba zanadahin'i Jonatana vo nindray taminazy nisy dimampolo lahy voatanisa. 7Amin'gny taranak'i Elama, dra Jesaia zanadahin'i Atalia vo nindray taminazy nisy fitopolo lahy voatanisa.8Amin'gny taranak'i Sefatia, dra Zebadia zanadahin'i Mikaela dra nindray taminazy nisy valopolo lahy voatanisa. 9Amin'gny taranak'i Joaba, dra Obadia zanadahin'i Jehiela dra nindray taminazy nisy 218 lahy voatanisa. 10Amin'gny taranak'i Selomita zanak'i Josifia dra nisy 160 lahy voatanisa nindray taminazy. 11Amin'gny taranak'i Bebay, dra Zakaria zanadahin'i Bebay dra nisy valo amby ropolo lahy voatanisa nindray taminazy.12Amin'gny taranak'i Azgada, dra Johanana zanadahin'i Hakatana dra nisy 110 lahy voatanisa nindray taminazy. Reo ze boaky amin'gny taranak'i Adonikama gny avy taty afara. 13Tahoky aby gny agnaran'ereo: Elifeleta, Jeiela, Semaia, vo nindray tamin'ereo nisy enipolo lahy. 14Amin'gny taranak'i Bigvay, dra Otahy vo Zaboda dra nisy fitopolo lahy voatanisa nindray taminazy.15Navoriko reo pandeha tao amin'gny lakan-drano ze magnagny Ahva, dra nitoby hateloa teo zahay. Nagnadihady gny vahoaky vo reo pisoro zaho, fe sy nahita taranak'i Levy tao mihisy.16 Dra napitoka an'i Eliezera, Ariela, Semaia, Elnatana, Jariba, vo Elnatana vo Natana, Zakaria, vo Mesolama--- ze pitariky--- dra an'i Joariba vo Elnatana--- ze papianasy zaho.17Magnaraky zeho dra nirahiko ho agny amin'Ido, pitariky agny Kasifia ereo. Nambarako andreo ze ho zaka amin'Ido vo reo havany, reo panopon'gny tepoly mitoboky agny Kafisia, dra gny, so handefasa panopo ho an'gny tragnon'Agnahary ho aminay atiky.18Dra nandefa lelahy raiky tokavy ho Serebia, lelahy malina taminay tamin'gny tagna soan'Agnaharinay ereo. Izy dra taranak'i Maly zanadahin'i Levy zanak'Israely.19 Avy nindray tamin'gny zanadahy vo rahalahy valo amin'gny folo izy. Avy nindray tamin'i Hasabia. Nisy an'i Jesaia, raiky amin'ireo zanadahin'i Merary, nindray tamin'ireo rahalahiny vo gny zanadahin'ereo avo koa ereo, ropolo lahy gny fitambarany. 20Amin'ireo ze nitendre hanopo ao an-tepoly, ze nomen'i Davida vo reo manam-boninahiny so hanopo an'ireo Levita dra: 220, samby nitendre tamin'gny agnarany aby.21Dra nagnambara fifadian-kany tao amin'gny Lakan-drano Ahava zaho so hagnetry gny vatanay eo agnatrehan'Agnahary, so hitalia lala-mahisy boaky Aminazy ho anay, gny zaza madinikinay, vo reo fanagnanay aby. 22Megnasy gny hangataky tafiky na pitikisy sovaly tamin'gny pazaka so hiaro anay amin'ireo fahavalo tagny an-dala zaho, akory fa nizka tamin'gny pazaka zahay ho: 'Gny tagnan'Agnaharinay dra eo amin'gny iaby ze mitalia Anazy amin'gny soa, fa hny heriny vo gny hahoriany dra eo amin'gny iaby ze magnligno Anazy.' 23Dra nifady hany sady nitalia an'Agnahry mahakasiky anizeho zahay, dra niangavy taminazy.24Magnaraky anizeho dra nifanty lelahy ro ambin'gny folo amin'ireo manam-boninahisy gny fisorona zaho: Serebia, Hasabia, vo folo tamin'gny rahalahin'ereo. 25Nandaza volafosy, volamena, vo raha vo fagnatisy ho an'gny tragnon'Agnahary ze natolosy gny pazaka, reo panolo-sainy vo manam-boninahiny, vo reo ze natolosy gny Israely aby maimaim-poa ho anazy zaho.26Dra nandanza taleta volafosy 650, taleta raha volafosy zato, taleta volamena zato, 27lasety volamena ropolo ze nisanda darika arivo, vo fanaky saba ro nangira ro soa ze sarobidy manahaky gny volamena teo am-pelantagnan'ereo zaho.28Dra ho zaho tamin'ereo ho: 'Natoka ho an'i Yaveh handrareo, vo tahoky raha tahoky avo koa, vo gny volafosy vo gny volamena dra fagnati-sitrapo ho an'i Yaveh, Zagnahary gny razambendrareo. 29Embeno reo dra tandremo mandra-panzandrareo zeho eo agnatrehan'gny manam-boninahisy gny fisorogna, Levita, vo reo pitariky gny fokon-drazan'Israely agny Jerosalema ao amin'ireo efisy gny tragnon'Agnahary." 30Nagneky gny volafosy, volamena, vo reo raha voalanza reo pisoro vo reo Levita so handay anizeho agny Jerosalema, ao an-tragnon'gny Zagnaharinay.31Niboaky boaky tao amin'gny Lakan-dranon'i Ahava zahay tamin'gny andro faharo ambin'gny folon'gny vola volohany so handeha ho agny Jerosalema. Teo aminay gny tagnan'gny Zagnaharinay; niaro anay tamin'gny tagnan'gny fahavalo vo reo olo ze nagniry gny hanafiky anay tapoky tegny an-dala Izy. 32Dra nilisy tagny Jerosalema zahay dra nitoesy tao nandrisy gny hateloa.33Vo tamin'gny andro fahaefasy dra nilanzay tao an-tragnon'gny Zagnaharinay teo an-tagnan'i Meremota zanadahin'i Oria pisoro gny volafosy, volamena, vo reo raha, dra nidray taminazy Eleazara zanadahin'i Finehasa, Jozabada zanadahin'i Jesoa, vo Noadia zanadahin'i Biony gny Levita. 34Voafarisy gny isa vo gny lanzan'gny raha aby. Nisorata aby gny Lanza aby tamin'izeho fotoa zeho.35Reo olo ze nihery boaky amin'gny fahbaboa, gny olo voasesy tagny, dra nanolosy fagnatisy oroa ho an'gny Zagnaharin'Israely: agnomby ro ambin'gny folo ho an'Israely aby, Agnondry lahy eny amby sivifolo, zanak'agnondry fito amby fitopolo, vo aosy ro ambin'gny folo ho fagnatisy nohon'gny fahota. Fagnatisy oroa ho an'i Yaveh reo iaby reho.36 Dra nomen'ereo ho an'ireo manam-boninahisy gny pazaka ambony vo reo governora tagny amin'gny Farisy Andafin'gny Ony gny lalagnal'gny pazaka, dra nagnapy gny vahoaky vo gny tragnon'Agnahary ereo.
Chapter 9

1Nofa vita reho raha reho, dra nagnato anahy rei manam-pahefa dra nanao ho: "Gny vahoakin'Israely, reo pisoro, vo reo Levita dra sy nagnasaraky gny vatan'ereo tamin'ireo olo boaky agny an-tany hafa vo gny fahavetavetany: dra reo Kananita, Hitita, Perizita, Jebosita, Amonita, Moabita, Egyptiana vo Amorita.2 Fa nalan'ereo gny sasany tamin'ireo zanany apela vo zanany lelahy, dra nafangaron'ereo tamin'gny vahiny gny vahoaky masy, dra reo manam-pahefa vo reo pitariku gny volohany tamin'izeho sy fahatokia zeho."3Nofa nahare anizeho zaho, dra nandrovisy gny fitafiako vo gny akazo lavako dra nagnombosy gny volon-dohako vo gny volom-bavako, dra nitoboky, torotoro. 4Reo aby ze nangorohoro tamin'gny zakan'Agnaharin'Israely mahakasiky anizeho sy fahatokia zeho dra nivory teo aminahy no igny nitoboky am-pahamegnara hatramin'gny fagnatisy hariva igny zaho.5Fa tamin'gny fagnatisy hariva dra niary boaky tamin'gny toeran'gny fahafaham-barakako tamin'gny fitafiako vo gny akazo lavako rovisy, dra nandohaliky dra namelasy gny tagnako amin'i Yaveh Zagnahariko. 6Ho zaho ho: "Zagnahary o, megnasy sady mangahiahy gny hanondrosy gny tarehiko eo aminiha zaho, fa miakasy mihoasy gny lohanay gny helokinay, vo gny fahamelohanay mihobo hatragny an-dagnisy.7Nanomboky tamin'gny andron;gny razambenay mandraka'androany dra tao agnaty fahameloha lahibe zahay. Tao agnatin'gny helokinay zahay, reo pazakanay, vo reo pisoronay gny nanolosy ho eo an-tagnan'ireo pazakan'itiky zoa totolo izao tiky, ho eo amin'gny mesa, ho eo amin'gny fahababoa, ho eo amin;gny babo vo gny tarehy mangahiahy, manahaky anay androany.8Amizao se tao agnaty fotoa fohiky, dra avy taminay gny indrafo boaky amin'i Yaveh Zagnaharinay so hanenga sisa velo eo aminay dra hagnome anay fifikira eo amin'gny fitoerany masy. An'gny Zagnaharinay gny magnazava gny masonay vo magnome fiatoa keliky amin'gny fagnandevoza anay.9 Fa andevo zahay, fe sy nagnaligno anay gny Zagnaharinay fa nanitasy gny faneke mahatoky taminay. nanao anizeho tao amason'gny pazakan'o Persia Izy so hagnome hery vao ho anay, so hafahanay magnory gny tragnon'gny Zagnaharinay ndriky dra hananga gny faharavany. Nanao anizeho Izy so hagnomeza fefy ferova ho anay ao Joda vo Jerosalema.10Fa amizao koa, ry Zagnaharina, ino gny azaonay ambara afaran'izao? Nagnaligno reo liliniha zahay, 11dra gny lily ze nomeniha reo paminany panoponiha, nofa nizaka Hanao ho: "Tihoky tany ze hilirandrareo ho fanagnandrareo tihoky dra tany maloto. Voaloton'gny olon'istiky tany tiky tamin'gny fahavetavetan'ereo zeho. Nifenon'ereo gny fahaloton'ereo hatragny amin'gny ilany raiky dra hatragny amin'gny hafa zeho. 12Amizao se, ka ome gny zanak'ereo lelahy vo gny zanakereo apela; ka mangalaky gny zanak'ereo apela ho an'gny zanadahindrareo, vo ka mitalia fihavagna na fagnapia amin'ereo, so hatazaky handrareo dra hihina gny soa boaky amin'gny tany, dra hahavy gny zanandrareo ho tampon'izeho amin'gny fotoa aby."13Ry Yaveh, Zagnaharin'Israely, mary Hanao, fa masaiky zahay gny sisa velo amin'izao androany zao. Ingo! Tahoky zahay eto agnatrehaniha amin'gny fahamelohanay, fa sy misy afaky hizoro eo agnatrehaniha nohon'gny amin'izeho. 14tokony handika reo liliniha ndraiky se zahay dra hifanambaly amin'ireo vahoaky vetaveta reo? Sy ho ory se hanao dra handripaky anay so sy hisy ho tavela, sy hisy raiky ho tafilefa?15Ry Yaveh, Zagnaharin'Israely, mary Hanao, fa masaiky zahay gny sisa velo amin'izao androany zao. Ingo! Tahoky zahay eto agnatrehaniha amin'gny fahamelohanay, fa sy misy afaky hizoro eo agnatrehaniha nohon'gny amin'izeho.
Chapter 10

1No bo nivavaky vo nieky heloky i Ezra, dra nitomagny izy dra niankohoky teo agnoloan'gny tragnon'Agnahary. Lelahy Israelita, zaza amin'apela maro be gny nitangoro teo aminazy, fa nitomagny fatrasy dra fatrasy reo olo.2 Ho i Sekania zanadahin'i Jehiela taranak'i Elama tamin'i Ezra ho: " Fa sy nahatoky tamin'Agnaharinay zahay dra nanambaly reo apela hafa firene baoky tamin'gn vahoakin'ireo tany hafa. Fe ndre dra eo aza zeho, dra bo misy fagnatena ho an'Israely.3Dra aoky zahay ghanao fifaneke amin'gny Zagnaharinay so handroaky reo apela aby vo reo zanany araky reo toromariky gny Tomp vo gny toromarik'ireo ze nihorohoro tamin'ireo lilin'Agnaharisika, dra aoky zeho ho tateraky araky gny lalagna. 4Misangana, fa zeho raha zeho dra ho taterahiniha, vo zahay dra mindray aminiha, Mahereza dra ahivo zeho."5Dra nisanga i Ezra dra nasany napagnategna reo manam-boninahisy gny fisorogna, reo Levita, vo gny Israely aby so hanao sahala anizeho. Koa dra nanao fifata magnetriketriky izy aby.6 Bokeo nisanga boaky teo agnoloan'gn tragnon'Agnahary i Ezra dra nandeha tao amin'gny efis'i Johanana zanadahin'i Eliasiba. Sy bo nihina mofo na nino rano izy, akory nandala gny hakelikin'gny finoan'ireo ze fa tao amin'gny fahbaboa izy.7Dra nandefa zaka tagny Joda vo Jerosalema ho an'ireo olo nihery boaky tagny an-sesitany ereo so hivory ao Jerosalema. 8Ze iaby sy avy tao agnatin'gny telo andro araky reo toromariky boaky amin'ireo manam-pahefa vo loholo dra nala tamin'ereo gny fanagnan'ereo aby sady nala sy ho ao amin'gny fikambanam-ben'ireo ze nihery boaky agny an-sesitany.9Dra nivory tao Jerosalema nandrisy gny telo andro gny lelahy boaky agny Joda vo Benjamina aby. Zeha dra tamin'gny vola fahasivy vo tamin'gny andro faharopolon'gny vola. Nizoro teo amin'gny kianza malalaky nagnoloa gny tragnon'Agnahary gny olon'aby sady nangitakitaky noho gny zaka vo gny ora. 10Nisanga i Ezra pisoro dra nizaka ho: "Fa namadiky handareo. Nanambaly reo apela hafa firene handrareo dra napitombo gny helok'Israely.11Fa amizao dra miansa an'i Yaveh, Zagnaharin'ireo razambendrareo, dra ahivo gny sitrapony. Misaraha amin'gny olo tompon-tany vo amin'ireo apela hafa firene."12Namaly tamin'gny feo abo gny fivondrogna aby ho: "Hanao araky ze nizakaniha zahay.13 Ndre zeho aza, maro reo olo, vo vanim-potoan'gny ora zeho. sy mana hery hizoro etiky ivelany zahay, vo zeho dra sy asa raiky na ro andro avo, akory fa nanao heloky lahibe tamin'izeho raharaha zeho zahay.14Dra aoky gny panapakay hisolo-vata gny fiangona aby. Aoky ze nanenga reo apela boaky amin'gny firene hafa hitoboly amin'gny tanasika ho avy amin'gny fotoa ze ho tondro mindray amin'ireo loholon'gny tana vo reo pisara ao amin'gny tana mandra-pialan'gny firehetan'gny hahorian'gny Zagnaharisiska amisika." 15Nanohisy anizeho i Jonatana zanadahin'i Asahela vo Jahaza zanadahin'i Tikva, dra nanoha andreo i Mesolama vo Sabetahy Levita.16Dra nanao anizeho reo olo nihery baoky tagny an-sesitany. Ezra pisoro dra nifily reo lelahy, reo pitariky tao amin'ireo foko vo fianakavian'ireo razamben'ereo--- tamin'gny agnaran'izy aby, dra nandiniky gny raharaha tamin'gny andro volohany tamin'gny fahafolon'gny vola ereo. 17Tamin'gny andro volohany tamin'gny vola volohany dra nahavita namatasy ze lelahy nindray nitoboky tamin'gny apela hafa firene ereo.18Nisy tamin'ireo taranak'ireo pisoro gny nanambaly apela hafa firene. Tamin'gny taranak'i Jesoa zanadahin'i Jozadaka vo reo rahalahiny dra nisy an'i Mahaseia, Eliezera, Jariba, vo Gedalia. 19Koa dra tapa-kevisy gny handroaky reo valiny ereo. Akory meloky ereo, dra nanolosy agnondry lany tamin'ireo agnondriny ereo nohon'gny helok'ereo.20Tamin'ireo taranak'Imera dra: i Hanany vo Zebadia. 21Tamin'ireo taranak'i Harima: i Mahaseia, Elia, Semaia, Jehiela, vo Ozia. 22Tamin'ireo taranak'i Pasora: i Elioenay, Mahaseia, Ismaela, Netanela, Jozabada, vo Elasa.23Tamin'ireo Levita dra: i Jozabada, Simey, Kelaia--- zay, Kelita, Petahia, Joda. 24Tamin'ireo pihira: i Eliasiba. Tamin'ireo piamby vavahady dra: i Saloma, Talema, vo Ory. 25Tamin'ireo Israelita sisa--- tamin'ireo taranak'i Parosa dra: i Ramia, Jizia, Malkia, Miamina, Eleazara, Malkia, vo Benaia.26Tamin'ireo taranak'i Elama dra: i Matania, Zakaria, Jehiela, Abdia, Jeremota, vo i Elia. 27Tamin'ireo taranak'i Zato dra: i Elioenay, Eliasiba, Matania, Jeremota, Zabada, vo Aziza. 28Tamin'ireo taranak'i bebay dra: i Johanana, Hanania, Zabay, vo Atlay. 29Tamin'ireo taranak'i bany dra; i Mesolama, Maloka, Adaia, Jsoba, vo Seala Jeremota.30Tamin'gny taranak'i Pahata Moaba dra: i Adna, Kelala, Benaia, mahaseia, Matania, bezaiela, Binoy, vo Manase. 31Tamin'gny taranak'i Harima dra; i Eliezera, Jisia, Malkia, Semaia, Simeona, 32Benjamina, Maloka, vo Semaria.33Tamin'gny taranak'i Hasona dra: i Matenay, Matata, Zabada, Elifeleta, Jeremay, Manase, vo Simey. 34Tamin'gny taranak'i Bany dra: i Maday, Amrama, Oela, 35Benaia, Bedeia, Keloho, 36Vania, Meremota, Eliasiba.37Matania, Matenay, vo Jasao. 38Tamin'gny taranak'i Binoy dra: i simey, 39Selemia, Natan,adaia, 40Maknadebay, Sasay, Saray,41Azarela, Selemia, Semaria, 42Saloma, Amaria, vo i Josefa. 43Tamin'gny taranak'i Nebo dra: i Jeiela, Matitia, Zabada, Zebina, Ido, Joela, vo Benaia. 44Reho aby reho dra nanambaly apela hafa firene dra nanan-zanaku tamin'gny sasany tamin'ereo.

Nehemiah

Chapter 1

1Gny zakan'i Nehemia zanah'i Hakalia: tamin'gny vola Kisleo, tamin'gny tao fahapolo, no bo tao amin'gny feroa fatrasin'i Sosa zaho, 2dra nisy raiky tamin'ireo rahalahiko, i Hanany, gny avy nindray tamina olo maromaro boaky agny Joda, dra nagnotany andreo mahakasiky reo Jiosy ze tafilefa, vo reo Jiosy sisa tavela tagny, vo mahakasiky an'i Jerosalema zaho.3Ho ereo taminahy ho: "Reo ze tafaboaky velo tamin'gny fahababoa agny amin'gny faritany dra agnaty fangorohoroa vo fahafaham-baraka lahibe akory vaky niroda gny fefin'i Jerosalema, sady voaoro tamin'gny afo gny vavahadiny."4Vantany vo nahare reo zaka reo zaho, dra nitoboky dra nitomagny , dra nalahelo vo nifady hany sady nivavaky tamin'gny Zagnahary gny lagnisy hatragny zaho nandrisy gny andro maro. 5Dra ho zaho ho: "Hanao gny Yaveh, Zagnahary gny lagnisy, gny Zagnahary lahibe sady mahalasa, ze nita gny faneke vo mita gny fitiava ho an'ireo ze tia Anazy sady mitandry reo liliny.6Tenoy gny fivavahako dra sokafy gny masoniha, so haharezaniha gny vavaky gny panoponiha ze hivavahako eo agnatrehaniha andro aman'aly ho an'gny vahoakin'Israely panoponiha amizao. Mieky gny fahotan'gny vahoakin'Israely, ze nanotanay taminiha zaho. Zaho vo gny hasaveregnan-drako dra samby nanota. 7Nanao ze vatany rasy taminiha zahay, dra sy nitandry reo lily, reo lalagna,vo reo fisipiku ze nandilianiha an'i Mosesy panoponiha.8Bo sarovy ra gny zaka ze nandilianiha an'i Mosesy panoponiha ho: "No sy mahatoky handrareo, dra ho aparitako egny amin'ireo firene,9 fa no mihery aminahy handrareo sady magnaraky gny liliko dra manao anizeho, ndre dra niely tany ambanin'gny lagnisy indrindra aza gny vahoakiko, dra hamory andreo boaky agny Zaho dra handay andreo agny amin'gny toera ze nofiliko hapitoboha gny agnarako.10Vo gny panoponiha vo oloniha ereo, ze navotaniha tamin'gny heriniha lahibe vo gny tagnaniha mahery. 11Yaveh o, Mitalaho aminiha zaho, tenoy ra gny vavaky gny panoponiha ze magnaza gny agnaraniha fatrasy. Dra ambigno gny panoponiha androany, dra hiantrao eo amason'iho lelahy iho izy." Fa nanopo ho panday kapoaky teo amin'gny pazaka zaho.
Chapter 2

1Tamin'gny volan'i Nisana, tamin'gny faharopolo tao nanzakan'i Artaksersesy pazaka, dra nisafily divay izy, dra nangalaky gny divay dra nagnome anizeho ho an'gny pazaka. Dra sy bo nalahelo teo amin'gny fagnatrehany mihisy zaho.2 Fa ho gny pazaka taminahy ho: "Nagnino gny tarehiniha gny malahelo be? Fe sy hita mararyy se hanao. Mety alahelo ao Am-po zeho." Dra nizary natahosy fatrasy zaho.3Ho zaho tamin'gny pazaka ho: "Ho velo mandrakizay ra gny pazaka! Nagnino gny tarehiko gny sy tokony halahelo? Gny tana, gny toeran'gny fasan-drazako, dra rava, vo reo vatrangarany dra potiky gny afo."4Dra ho gny pazaka taminahy ho: "Ino gny tianiha hahiko?" Dra nivavaky tamin'gny Zagnahary gny lagnisy zaho. 5Namaly gny pazaka zaho ho: "No soa amin'gny pazaka zeho, vo no nanao gny soa teo amasoniha gny panoponiha, dra afaky hirahiniha ho agny Joda zaho, agny amin'gny tanan'ireo fasan-drazako, so hahafahako mapihery mananga anizeho." 6Dra namaly anahy gny pazaka (dra nitoboky teo agnilany koa gny pazaka vavy) ho: "Hafiria gny andehananiha dra ombia hanao gny hihery?" Sitraky gny pazaka gny nandefa anahy nofa nagnome reo datin'andro taminazy zaho.7Boakeo dra ho zaho tamin'gny pazaka ho: " No sitraky gny pazaka, dra aoky hisy taratasy home anahy ho an'ireo governora agny amin'gny Faritany Andafin'gny Ony mbo hagnomezan'ereo anahy alala handeha amin'gny fari-tanin'ereo amin'gny lalako magnagny Joda.8Aoky avo koa hisy taratasy ho an'i Asafa piamby gny alan'gny pazaka, mbo hagnomezany anahy hazo hanaova andry ho an'ireo vavahadin'gny ferova fatrasy agnilan'gny tepoly, vo ho an'gny fefin'gny tana, vo ho an'gny tragno ze honegnako." Akory tato aminahy gny tana soan'i Yaveh, dra nahin'gny pazaka reo fangatahako.9Dra avy tagny amin'ireo governora agny amin'gny Faritany Andafin'gny Ony zaho dra nagnome reo taratasin'gny pazaka andreo. Vo gny pazaka nandefa manam-boninahisy gny tafiky vo pitikisy sovaly nindray taminahy.10No fa ren'i Sanbala Horonita vo Tobia Amonita panopo zay, dra ory fatrasy izy akory nisy olo avy zay nitalia hagnapy gny vahoakin'Israely.11Noho zay dra avy tagny Jerosalema zaho dra tagny nadrisy gny telo andro.12NIfoha zaho gny hariva, zaho vo lelahy masaiky nindray taminahy. Sy nizako tamin'ia n'ia ze napetrakin'Agnahary tao am-poko mbo ho ahy ho an'i Jerosalema. Sy nisy biby nindray taminahy, ankoasy gny raiky ze nitikirako.13Nandeha niboaky tamin'gny Vavahadin'gny Lohasaha zaho gny hariva, tandrifin'gny Loharanon'gny Amboahaolo vo gny Vavahadin-Jezika, dra nagnara-maso an'ireo fefin'i jerosalema, ze fa rava, vo reo varavaran-kazo dra ravan'gny afo.14Boakeo dra nagnagny amin'gny Vavahadin-Doharano vo gny Farihin'gny Pazaka zaho. Tery loasy ho an'gny biby zay nitikirako gny handeha amin'gny toera.15Noho zay dra niakasy gny lohasahan-driaky zaho gny hariva dra nagnara-maso gny fefy, dra nihery vo nilisy teo amin'gny Vavahadin'gny Lohasahan-driaky, vo nihery.16Sy fatan'ireo panapaky ze nandehanako na zye nahiko, dra sy mbo nizaka reo Jiosy zaho, ndre reo pisoro, ndre reo manan-kaza, ndre reo panapaky, ndre reo sisa ze nanao asa.17Ho zaho tamin'ereo ho: "Hitandrareo gny loza ze mahazo asika, gny hitoeran'i Jerosalema ao agnaty faharava vo gny vavahadiny ze ravan'gny afo. Ndao, ndao sika hapihery hananga gny fefin'i Jerosalema, so sy ho ao agnatin'gny fahafaham-baraka sasy sika." 18Nizakako andreo fa teo aminahy gny tagna soan'Agnahary vo gny mahakasiky gny zakan'gny pazaka ze nizaka taminahy. Ho ereo ho: " Aoky sika hisondrosy dra hagnory." dra nihatazahin'ereo ho an'gny asa soa gny tagnan'ereo.19Fa nofa ren'i Sambala Horonita, vo Tobia Amonita panopo, vo Gesema Arabo gny mahakasiky anizeho, dra nagneso sady nangala baraka anay ereo, dra ho ereo ho: 'Ino ahindrareo tihoky?" Mikomy hanohisy gny pazaka se handrareo?" 20Dra namaly andreo zaho ho: "Hagnome fahombiaza anay gny Zagnahary gny lagnisy, Panopony zahay dra hisanga vo hagnory zahay. Fe handrareo sy mana anzara, na rariny, vo fifandresa amin'gny tatara ao Jerosalema."
Chapter 3

1Dra nisanga nindray tamin'ireo pisoro rahalahiny i Eliasiba pisorombe, dra nagnamboasy gny Vavahadin'Agnondry ereo. Natokan'ereo zeho dra natobokiny tamin'gny toerany gny vatrangarany. Natokan'ereo hatragny amin'gny Tilikambon'gny Zato lahy dra hatragny amin'gny Tilikambon'i Hananela zeho. 2Tafarany gny niasa gny olon'i Jeriko, dra niasa tafaran'ereo i Zakora zanadahin'i Imry.3Namboarin'ireo zanadahin'i Hasena gny Vavahadin'gny hazandrano. Nanao andry ho an'izeho ereo, dra nametraky gny vatragnarany, gny hiliny, vo gny barany.4 Vo Meremota gny nagnamboasy gny farisy nagnaraky anizeho. Izy dra zanadahin'i Oria zanadahin'i Hakoza. Tafaran'ereo gny nagnamboasy i Mesolama. Izy dra zanadahin'i Berekia zanadahin'i Mesezabela. 5Tafarn'ereo gny nagnamboasy i Zadoka. Izy dra zanadahin'i Bana. Tafaran'ereo gny Tekoita gny nagnamboasy, fa sy nagneky hanap gny asa napanovin'gny pagnara-maso anazy gny pitarik'ereo.6joiada zanadahin'i Pasa vo Mesolama zanadahin'i Besodia gny nagnamboasy gny Vavahady Taloha. Nanao andry ho an'izeho ereo, dra nametraky gny vatrangarany, gny hiliny, vo gny barany. 7Tafaran'ereo i Melatia Gibeoonita vo jadona Meronotita, ze olon'i Gibeona vo Mizpa gny nanao fagnamboara teo amin'gny farisy nitobohan'gny governoran'gny Faritany Tandrifin'gny Ony.8Oziela zanadahin'i haraia gny teo agnilany, raiky amin'ireo panefy volamena, gny nagnamboasy, vo teo agnilany i Hanania, ze panao ranomagnisy. Naherin'ereo namboary i Jerosalema hatragny amin'gny Rindry lahibe. 9Marin'ereo teo i refaia zanadahin'i Hora gny nagnamboasy. Izy gny panapaky gny ansasaky gny distrikan'i Jerosalema. 10Tafaran'ereo dra Jedaia zanadahin'i Haromafa gny nagnamboasy gny teo agnilan'gny tragnony. Tafarany dra Hatosy zanadahin'i Hasabnia gny nagnamboasy.11Malkia zanadahin'i harima vo Hsoba zanadahin'i Pahatamoaba dra nagnamboasy farisy hafa magnaraky gny Tilikambon'gny Fatana.12 Tafaran'ereo dra i Saloma zanadahin'i Halohesy, ze panapaky gny ansasaku gny distrikan'i Jerosalema, dra nagnamboasy, nindray tamin'ireo zanany apela.13Hanona vo reo ponin'i Ziona dra nagnamboasy gny Vavahadin'gny Lohasaha. Naherin'ereo naory zeho sady napetreny gny vatrangarany, gny hiliny, vo gny barany. Nagnamboasy mira arivo hakiho hatragny amin'gny Vavahadin-zeziky ereo.14Malkia zanadahin'i Rekaba, panapaky gny distrikin'i Beti-Hakerema, gny nagnamboasy gny Vavahadin-Zeziky. Izy gny nagnamboasy anizeho, dra nametraky gny vatrangarany, gny hiliny, vo gny barany. 15Saloma zanadahin'i Kola-Hoze, panapaky gny distrikin'i Mizpa, gny napihery nagamboasy anizeho, dra nandrakosy anizeho vo nametraky gny vatrangarany, gny hiliny, vo gny barany. Izy avo koa gny napihery nagnamboasy gny fefin'gny Farihin'o Siloa ze teo marin'gny zaridain'gny pazaka, hatragny amin'gny tohasy mizoso magnagny amin'gny tanan'i Davida.16Nehemia zanadahin'i Azboka, panapaky gny ansasaky gny distrikin'i Beti-Zora, dra nagnamboasy teo amin'gny toera mandalo eo amin'gny fasan'i Davida, hatragny amin'gny farihy nahin'olombelo, dra hatragny amin'gny tragnon'ireo olo mahery. 17Tafarany dra Levita gny nagnamboasy, ao agnatin'izeho i Rehoma zanadahin'i Bany, dra nagnaraky anazy, Hasabia, gny panapaky gny ansasaky gny distrikin'i Keila, ho an'gny distrikiny.18Nagnamboasy teo agnilany gny ponin'ereo, tao agnatin'izeho i Bavay zanadahin'i Henadada, panapaky gny ansasaky gny distrikin'i Keila. 19Tafarany, dra Ezera zanadahin'i Jesoa, panapaky tao Mizpa, gny nagnamboasy farisy hafa nagnoloa gny fiakara magnagny amin'gny tragno fitahiriza fitovam-pialia teo an-zoron'gny fefy.20Teo agnilany dra nanolo-bata nagnamboasy farisy hafa i Baroka zanadahin'i Zabay, boaky eo amin'gny zoron-drindry hatragny amin'gny vatrangaran'i Eliasiba pisoronabe. 21Nagnamboasy farisy hafa marininy teo i Meremota zanadahin'i Oria zanak'i Hakoza, boaky eo amin'gny vatrangaran-tragnon'i Eliasiba dra hatragny amin'gny faran'gny tragnon'i Eliasiba.22Tafarany dra reo pisoro,lelahy boaky amin'gny farisy magnodidy an'i Jerosalema, gny nagnamboasy. 23Tafaran'ereo dra Benjamina vo Hasoba gny nagnamboasy nanandrify gny tragnon'ereo manoka. 24Tafarany i Binoy zanadahin'i Henadada dra nagnamboasy farisy hafa, boaky eo amin'gny tragnon'i Azaria hatragny amin'gny zoron'gny fefy.25Palala zanadahin'i Ozay dra nagnamboasy gny magnoloa gny zoron'gny fefy vo gny tilikambo ze mitohy miakasy boaky eo amin'gny tragno abon'gny pazaka eo amin'gny tokotanin'gny piamby. Pedaia zanadahin'i Parosy gny nagnamboasy teo agnilany. 26Vo reo panopon'gny tepoky nitoboky tao Ofela dra nagnamboasy hatreo amin'gny tandrifin'gny Vavahadin-dRano asimon'gny tilikambo lahibe. 27Nagnaraky anazy dra nagnamboasy farisy hafa gny Tekoita ze tandrifin'gny tilikambo lahibe hatragny amin'gny fefin'i Ofela.28Reo pisoro dra nagnamboasy gny teo ambonin'gny Vavahadin-sovaly, ze tandrifin'gny tragnon'gny kiraikiraiky. 29Nagnamboasy gny farisy hafa tandrifin'gny tragnony teo agnilan'ereo i Zadoka zanadahin'Imera. Dra nagnamboasy teo agnilany i Semaia zanadahin' Skania, piamby vavahady asinagna. 30Nagnamboasy farisy hafa teo agnilany i Hanania zanadahin'i Selemia, vo Hanona gny zanadahy fahaenin'i Zalafa. Nagnaraky anazy i Mesolama zanadahin'i Berekia ze nagnamboasy gny tandrifin'gny efitragnony.31Teo agnilany i Malkia,raiky amin'ireo panefy volamena, ze nagnamboasy gny fasangen'gny panopo an-tepoly vo reo pivarosy ze tandrifin'gny Vavahady Fanendre vo gny efitragno ambony teo an-zorony.32 Reo panefy volamena vo reo pivarosy dra nagnambosy gny teo agnelagnelan'gny efitragno ambony teo an-zorony vo gny Vavahadin'Agnondry.
Chapter 4

1Vo nofa ren'i Sambala fa nananga gny fefy zahay, dra nirehisy tao agnatiny zeho dra nisafoaky gny hahoria izy dra nagnamavo gny Jiosy. 2Ho ereo teo agnatrehan'ireo ahalahiny vo gny tafik'i Samaria: "Fa ino tihoky ahin'ireho Jiosy kanosa reho? Hapihery gny tana ho andreo se ereo? Hanolosy soro se ereo? Ho vitan'ereo ao agnatin'gny raiky andro se gny asa? Hamelo reo vato boaky amin'ireo korotam-bato fa noroa ndraiky se ereo? 3Tobia Amonita dra nindray taminazy, dra ho izy ho: "No bo nisy amboahaolo moa niaksy teo amin'ize asangan'ereo, dra handroda gny fefy vaton'ereo zeho!"4Tenoy, ry Zagnaharinay, fa voarabiraby zahay, Aheregno amin'gnu lohan'ereo avo gny fizakandrasin'ereo dra engao ereo ho babo agny amin'gny tany ze higadran'ereo. 5Ka manasaro gny helok'ereo sady ka mamfa gny fahotany sy ho eo agnatrehaniha, fa nihansy gny hahorian'gny pagnory gny fefy ereo. 6Dra nasanganay gny fefy dra nifandray teo amin'gny hasasaky gny hahabony gny fefy aby akory nanam-pagniria gny hiasa reo olo.7Fa nofa ren'i Sanbala, tobia, reo Arabo, reo Amonita, vo reo Asdodita fa nandroso gny asa fagnambora gny fefin'i Jerosalema, sady fa hikatoky reo toera vaky teo amin'gny fefy, dra nirehin-kahoria lahibe tao agnatin'ereo. 8Nindray nikonokono aby izy aby, dra avy hialy tamin'i Jerosalema dra nahavy savorovor tao amin'izeho. 9Fa nivavaky tamin'Agnaharinay zahay dra nametraky piamby hiaro amin'ereo andro aman'aky nohon'gny fapitahoran'ereo.10Dra ho reo vahoakin'i Joda ho: "Mihalefy gny herin'ireo ze milanza eta-mavesatry. Be loasy reo korotam-bato, dra sy afaky mapihery mananga gny fefy zahay." 11Ho reo fahavalonay ho: "Sy hahafatasy na hhita ereo amra-pahavinay eo amin'ereo dra hamono andreo, dra hapizano gny asa."12Tamin'izeho fotoa zeho dra avy boaky tagny amin'gny lala aby reo Jiosy ze nitoby teo agnilan'ereo dra nizaka impolo taminay, napitandry anay gny amin'gny tetiky ze ahin'ereo aminay. 13Dra nametraky olo tagny amin'gny farisy marivo indrindra amin'gny fefy tegny amin'gny toera miharihary zaho. Nametraky gny fianakavia kiraikiraiky nindray tamin'gny mesany, gny lefony, vo gny sipikiny aby zaho. 14Dra nitaza zaho, sady nisanga, dra ho zaho tamin'ireo olo ambony, vo tamin'ireo panapaky, vo tamin'gny vahoaky sisa ho: "Ka matahosy andreo. Sarovy gny Tompo, ze lahibe sady mahalasa. Mialia ho an'gny fianakaviandrareo, gny zanadahindrareo vo gny zanakapelandrareo, gny valindrareo, vo gny hasaveregnandrareo."15Vo nifa ren'ireo fahavalonay fa hainay gny paik'alin'ereo, dra nasavorovoron'Agnahary gny paik'aliny, dra nihery teo amin'gny fefy zahay aby, samby tamin'gny asany aby. 16Dra nanomboky tamin'izeho fotoa zeho dra niasa ho an'gny fanangana gny fefy avo gny ansasak'ireo panopoko, vo gny ansasany nita lefo, apinga, sipiky, sady nanao akazo ferova, no nisanga boaky afaran'ireo vahoakin'i Joda aby ao koa reo pitariky.17Niamby gny fitoeran'ereo avo koa reo piasa ze nananga gny fefy vo nilanza gny eta-mavesatry. Niasa tamin'gny tana raiky aby gny olon'aby, vo tamin'gny tagna ilany gny nitagnan'ereo gny fialiany.18 Gny pananga aby dra nanao gny mesany teo agnilany dra manahaky anizeho gny niasany. Gny raiky ze napagneno gny asiva dra nizano teo agnilako.19Dra ho zaho tamin'ireo olo ambony vo reo manam-boninahisy vo tamin'ireo vahoaku sisa ho: "Bevata sady mihitasy gny asa, dra misarasaraky sika eto ambon'gny fefy, mifagnalavisy. 20Aoky hihazakazaky ho eo amin'gny toera aharezandrareo gny feon'asiva handrareo dra hivory eo. Hialy ho asika gny Zagnaharisika."21Dra nahinay gny asa. Gny ansasak'ireo nita lefo nanomboky vo mangiran-drasy dra hatramin'gny fipoiran'gny vasia. 22Ho avo koa zaho tamin'ireo olo tamin'izeho fotoa zeho ho: "Aoky gny olon'aby vo gny panopony handany gny hariva eo agnivon'i Jerosalema, so ho piamby asika mandrisy gny hariva ereo vo ho piasa amin'gny andro." 23Dra ndre zaho, ndre reo rahalahiko, ndre reo panopoko, ndre reo lelahin'gny paimby ze nagnaraky anahy, dra sy bo nisy nisolo akazo zahay, dra nita fialia gny kiraikiraky taminay, ndre dra handeha hangala rano aza.
Chapter 5

1Vo reo lelahy vo gny valin'ereo dra nanao fitaraigna lahibe hanohisy reo Jiosy namany. 2Akory nisy sasany nanao ho: "Maro zahay mindray amin'gny zanadahinay vo zanakapelanay. Dra aoky zahay hahazo vary so hahafahanay mihina vo mivelo." 3Nisy sasany hafa koa nanao ho: "Manao antoky gny sahanay, gny tanim-boalobokina, vo gny tragnonay zahay, so hahazahoanay vary gny mosary."4isy sasany avo koa nanao ho: "Fa nindra vola handoava gny hetran'gny pazaka tamin'gny sahanay vo gny tanim-boalobokinay zahay. 5Fe gny nofonay vo gny lionay dra mitovy manahaky gny an'gny rahalahinay avo. vo gny zanakinay dra mitovy amin'gny zanak'ereo. Voatery nivarosy gny zanadahinay vo gny zanakapelanay ho andevo zahay. Vo gny sasany amin'ireo zanakaepanay dra fa nandevozy rahateo. Fe sy ao amin'gny herinay gny hanao anizeho akory fa olo hafa gny tompon'gny sahanay vo gny tanim-boalobokina amizao."6Dra ory fatrasy zaho no nahare gny fitaraignan'ereo vo reo zaka reo. 7Dra nieriserisy mahakasiky anizeho zaho, dra nanday fiapanga ho an'ireo manan-kaza vo manam-boninahisy. Ho zaho tamin'ereo: "Samby sarotiny amin'gny rahalahiny kiraikiraiky aby handrareo." Dra nanao fiangonam-be hanohisy andreo zaho 8dra nizaka andreo ho: "Zahay, araky ze trasinay, dra fa nanohisy tamin'gny fagnandevoza reo Jiosy rahalahinay ze navily tamin'gny firene, fe handrareo aza nivarosy gny rahalahindrareo vo gny anabavindrareo so hivarota andreo aminay!" Dra nisigny sady sy nahita zaho ho zakay ereo.9Dra nizak koka zaho ho: "Sy soa zeho ahindrareo zeho. Sa sy tokony handeha amin'gny fahatahora an'Agnaharisika se handrareo so hisoroha gny fizakan-drasin'ireo firene ze fahavalosika? 10Zaho vo gny rahalahiko vo gny panopoko dra fa mapisambosy vola vo vary andreo. Fe sika dra tokony hapizano gny fagnasia zana-bola amin'iregny fapindramam-bola regny. 11Aheregno amin'ereo amin'itiky andro androany tiky reo sahan'ereo, reo tanim-boalobonu, reo saha hisirian'gny olivany, vo reo tragnony, vo gny isan-zaton'gny vola, gny vary, gny divay vaovao vo gny menaky ze napisamborindrareo tamin'ereo."12Dra ho ereo: "Hoaherinay ze nalanay tamin'ereo, dra sy hitaky ndre ino ndre ino amin'ereo zahay. Hanao araky ze zakaniha zahay." Dra nitoka reo pisoro zaho, dra napifata andreo so hanao araky ze fa napagnatenan'ereo. 13Nagnakopaky ze niforisy tamin'gny akazoko zaho dra nizaka ho: "Aoky ra hafahan'Agnahary amin'gny tragnony vo reo fanagnany gny olon'aby ze sy mita gny fapagnatenany. Aoky ra hafaha sady foagna izy." Vo gny fiangona aby nizaka ho: "Amena," sady nisiriry an'i Yaveh dra nanao araky ze fa napagnatenan'ereo gny vahoaky.14Dra tamin'gny fotoa ze nanendre anahy ho governoran'ireo tany amin'gny tanin'i Joda, nanomboky tamin'gny tao faharopolo dra hatramin'gny tao faharo amby telopolo nanzakan'i Artaksersesy pazaka, ro ambin'gny folo tao zay, dra sy bo nihina sakafo nome ho an'gny governora ndre zaho ndre reo rahalahiko. 15Fe reo governora taloha ze teo alohako dra nametraky eta-mavesasy tamin'gny vahoaky, dra napandoa anazy reo sekely volafosy efapolo ho an'gny sakafo vo divain'ereo isan'andro. Ndre reo panopon'ereo aza napahory gny vahoaky. Fa sy nanao anizeho zaho nohon'gny fahatahorako an'Agnahary.16Nanohy gny asa teo amin'gny fefy avo koa zaho, sady sy nivily tany zahay, vo gny panopoko aby dra nivory teo hiasa.17 Vo teo amin'gny latabasiko gny nisy reo Jiosy vo reo manam-pahefa, 150 lahy, ankoasy reo ze nagnagny aminay boaky tamin'ireo firene ze magnodidy anay.18Vo ze namany aisan'andro dra agnomby raiky, vo agnondry voafanty eny, vo voro avo koa, vo isaky gny folo andro dra divay maro isan-karazany mitafotafo, fe tamin'izeho iaby zeho dra sy bo nangataky gny azara sakafon'gny governora zaho, akory zeho fangataha zeho dra vatany navesasy loasy teo amin'gny vahoaky.19 Sarovy zaho, ry Zagnahariko, amin'gny soa, noho ze iaby nahiko ho an'itiky vahoaky tiky.
Chapter 6

1Gno fa ren'i Sanbala, Tobia, vo Gasema Arabo vo reo fahavalonay sisa fa namboasy gny fefy ndraiky zaho sady sy nisy farisy triasy nivoha sasy, ndre dra sy bo nananga gny varavara teo an-dalambe aza zaho,2dra ho i Sanbala vo Gasema taminahy, nanao ho: "Ndao, ndasika hihao amin'gny lemak'i Ono agny ho agny." Fe nikendry gny gny hagnisy rasy anahy ereo.3Nagniraky pinday hafasy tagny amin'ereo zaho, nanao ho: " Manao asa lahibe zaho, ka sy afaka mizoso. Nagnino dra tokony hizano gny asa gno hengako zay ka mizoso amin'iha agny zaho?"4Nandefa hafasy mitovy in'efasy taminahy ereo, dra novaliako mitovy isaky gny mandefa ereo.5Nagniraky gny panopony aminahy tatiky manahaky anzay fagnidimbiny i Sanbala, ninday taratasy misokasy tegny an-tagnany.6Voasorasy tao amin'zeho ho: " Voatatisy eo amin'reo firene izao,sady ambaran'i Gasemsa avo koa,fa mitetiky gny hifagnandry hanao vo gny Jiosy, dra noho zeho gny angnamboaranao fefy ndraiky. Araky gny zakany tahoky tatisy tahoky, dra fa ho avy ho pazakan'ereo hanao.7fa nanendry paminany avo koa hanao so zeho fagnambara mahakasiky an'iha zeho agny Jerosalema, manao an'zahoky ho: 'Misy pazaka agny Joda!' Mahazo matoky hanao fa ho ren'gny pazaka riho tatisy riho. Noho zay dra mevia,handeha sika hifapizaka."8Dra nandefa zaka tagny amminazy zaho manao an'izahoky ho: "Sy nisy raha manahaky anizay niseho araky gny zakanzo, fa tao aponao avo gny namoro gnanao anireo."9Fa te-hapatahosy anay ereo, nieriserisy ho: "Hapiraviravy gny tagnan'ereo amin'gny fanovan'asan'ereo,dra sy ho vita zeho." Fe amin'zeho, ry Zagnahary, ba azataho ra taho tagnako tahoky."10Nagnagny apatrangen'i Semaia zanadahin'i Delaia zanadahin'i Mehetabela, ze sy afa-nihesiky tao apatrangeny zaho. Ho izy: "Andeha hihao apatrangen'Zagnahary sika,agnatin'gny fengona ao, vo andehahohilisika gny vatrangaran'gny fiangona, akory avy hamono an'iha ereo. Ho avy hamono an'iha ereo amin'gny hariva."11Namaly zaho ho: " Lelahy manahaky anahy ra gny handeha hengako? Hilisy ao atepoly so hahazoany magnavo sy gny ainy ra gny lelahy manahaky anahy? y hilisy zaho!"12Tonga say zaho fa sy Zagnahary gny nagniraky anazy, fa naminany nanohisy anahy izy.13Nikarama anazy i tobia vo Sanbala. Nikarama anazy ereo so hapatahosy anahy, so hagnaboaky ze zakany dra hanota,so hagnomezan'ereo agnara rasy ho anahy hangalan'ereo baraka anahy.14Sarovy Tobia vo Sanbala, ry Zagnahariko o, vo ze nataon'ereo aby. Sarovy avo koa Noadia paminany apela vo reo paminany sisa ze nagnandra gny hapatahosy anahy.15Vita tamin'igny andro fahadimy amby ropolon'gny vola Elola gny fefy, tafaran'gny ro amby dimampolo andro. 16Gno fa ren'ereo fahavalonay aby zeho, gny firenen'aby magnodidy anay, dra natahosy ereo vo lavo nangahiahy teo amason'ereo avo. Fa fatan'ereo fa vita tamin'gny fagnapian'gny Zagnaharinay gny asa.17Tamin'zeho fotoa zeho dra nandefa taratasy lako tagny amin'i Tobia ereo mana-kaza tao Joda, vo boakagny amin'ereo koa gny taratasin'i Tobia.18Fa nisy maro tagny Joda gny voarohy gny fiegna taminazy, akory vinato lahin'i Sekania zanadahin'i Ara izy. Vo Johanana zanadahiny fa nanambaly gny zanakapelan'i Mesolama zanadahin'i Berekia.19Nizaka taminahy mahakasiky gny asa soany vo nitatisy gny zakako tagny aminazy avo koa ereo. Namdefsa taratasy boak'amin'i Tobia zaho so hapatahora anahy.
Chapter 7

1No fa vita gny fefy vo voatobiko tamin'gny toerany reo vatrangara, vo fa voatondro gny pianby vavahady vo gny pihira vo gny Levita, 2dra nameko an'i Hanany rahalahiko gny fitatana an'i Jerosalema' mindray ami'i Hanania ze nagnara-maso gny ferova fatrasy, akory lelahy matoky vo matahosy an'Agnahary mihoasy noho gny maro izy.3Ho zao tamin'ereo ho: " Ka sokafy gny vavahadin'i Jerosalema mandra-pekaranin'gny masoandro. Naho mbo miamby gny vavahdy,dra afaky magnily gny vatrangara vo magnisy bara handrareo. Manendre piamby boak'amin'ireo ze mitoby agny Jerosalema, gny ilany agny ami'gny toeram-pembenan'ereo, vo gny ilany manoloa gny tragnony aby." 4Vo gny tana dra midadasiky vo lahibe, kanefa keliky gny olon'ao aminazy, vo sy bo misy tragno voasanga.5Zagnahary dra nanoby tao apoko gny hamoria gny mana-kaza, gny manam-boninahisy, vo gny vahoaky so ho soratin'agnara araky gny fianakavian'ereo. Hitako gny bokin'gny tetiaran'ireo ze mihery voloahany vo hitako voasorasy tao tahoky magnaraky tahoky.6Tahoky gny vahoakin'gny faritany ze nandeha niakasy boak'amin'gny fahababoan'ireo sesitany ze nibaboan'i Nebokadnezara pazakan'i Babylona. Nihery tagny Jerosalema vo Joda ereo, Samby amin'gny tanany aby.7Mindray tamin'i Zerobabela, Jesoa, Nehemia, Azaria, Ramia, Nahanany, Mordekay, Bilsana, Mispereta, Bigvay, Nehoma, vo Bana ereo. Gny isan'ereo lelahin'gny vahoakin'Israely dra ahita an'tahoky magnaraky tahoky.82.172 gny taranak'i parosy.9372 ereo taranak'i sefatia.10652 ereo taranak'i ara.112.818 gny taranak'i Paharamoaba, boak'amin'gny taranak'i Jesoa vo Joaba.121.254 gny taranak'i Elama.13845 gny taranak'i Zato.14760 gny taranak'i Zakay.15648 gny taranak'i binoy.16628 gny taranak'i Bebay.17648 gny taranak'i Azgada.18667 gny taranak'i Adonikama.192.067 gny taranak'i Bigvay.20655 gny taranak'i Adina.2198 gny taranak'i Atera, boak'amin'i Hezekia.22328 gny taranak'i Hasoma.23324 gny taranak'i Bezay.24112 gny taranak'i Harifa.2595 gny taranak'i Gibeona.26188 gny olo boak'agny Betlehemavo Netofa.27128 gny olo boak'agny Anatota.2842 gny olo boak'agny Bet-azmaveta.29743 gny boak'agny Kiriata-jearima, Kefira, vo Berota.30621 gny olon'i Rama sy Geba.31122 gny olon'i Mikmasy.32123 gny olon'i Betela vo Ay.3352 gny olon'gny Nebo hafa.34254 gny olon'i Elama hafa.35320 gny olon'i Harima.36345 gny olon'i Jeriko.37721 gny olon'i LOda, Hadida, vo Ono.383.930 gny olon'i Sena.39973 ereo pisoro: dra gny taranak'i Jedaia (boak'amin'gny tragnon'i Jesoa).401.052 gny taranak'Imera.411.247 gny taranak'i Pasora.421.017 gny taranak'i Hamira.4374 ereo Levita: dra gny taranak'i Jesoa, Kadmiela, Binoy, vo Hodavia.44148 ereo pihira: dra gny taranak'i Asafa.45138 ereo piamby vavahadin'gny taranak'i Saloma, taranak'i Atera, taranak'i Talmona, taranak'i Akoba,gny taranak'i Hatita, gny taranak'i Sobay.46Gny panopon'gny fiangona: dra gny taranak'i ziha, gny taranak'i Hasofa, gny taranak'i Tabaota, 47gny taranak'i Kerosa, gny taranak'i Sia, gny taranak'i padona,48gny taranak'i Lebana, gny taranak'i Hagaba, gny taranak'i Salmay, 49gny taranak'i Hanana, gny taranak'i Gidela, gny taranak'i Gahara.50Gny taranak'i Reaia, gny taranak'i Rezina, gny taranak'i Nekoda, gny taranak'i Gazama,51gny taranak'i Oza, gny taranak'i Pasea, gny taranak'i Besay,52gny taranak'i Meonita, gny taranak'i Nefisita.53Gny taranak'i Bakboka, gny taranak'i Hakafa, gny taranak'i Harora,54gny taranak'i Bazlita, gny taranak'i Mehida, gny taranak'i Harsa,55gny taranak'i Barkosa, gny taranak'i Sisera, gny taranak'i Tema,56gny taranak'i Nezia, gny taranak'i Hatifa.57Reo taranaky gny panopon'i Solomona: dra gny taranak'i Sotahy, gny taranak'i Sofereta, gny taranak'i Perida,58gny taranak'i Jala, gny taranak'i Darkona, gny taranak'i Gidela,59gny taranak'i Sefatia, gny taranak'i Hatila, gny taranak'i Pokereta-hazebaima, gny taranak'i Amona.60Reo panopon'gny fiangona, vo reo taranak'ireo panopon'i Solomona dra miisa 392.61Tahoky gny olo nandeha niakasy boak'agny Tela-mela, Tela- harsa, Kerofa, Adona, vo Imera. Kanefa sy afaky nagnaporofo ereo fa ereo ndre gny fianakavian'gny taranak'iereo dra taranak'iy boak'amin'Israely:62Dra reo taranak'i Delaia, gny taranak'i Tobia, vo gny taranak'i Nekoda, zay 642.63Reo ze boak'amin'gny pisiro: dra gny taranak'i Hobaia, Hakoza, vo Barzilay (ze nangalaky gny valiny boak'amin'reo zanak'apelan'i Barzilay boak'agny Gileada vo nitokavy tamin'gny agnarany ereo).64Reo dra mitalia gny firaketan'ereo asorasy tamireo nisorasy agnara tamin'gny tetiaran'ereo, fe sy hita reo, dra voahiliky tamin'gny fisoragna ho maloto ereo.65Boak'eo gny governora nizaka tamin'ereo fa sy tokony hame alala hihina gny fizara sakafon'ereo pisoro boak'amin'gny pisoro raiky meraky amin'gny Orima vo Tomima.6632.360 gny fitambaran'gny vondron'aby,67akoasy gny lelahy vo panopon'ereo, ze niisa 7.337. nana pihira lelahy vo apela 245 ereo.68736 gny isan'gny sovali'ereo, 245 gny ampondra,69435 gny rameva, vo 6. 720 reo boriky.70Gny ilany tamireo lohan'gny fianakavian'ereo razambe dra nagnome fagnomeza ho an'gny aza. Namen'gny governora dariky volamena arivo,koveta 50, gny akazo fisorogna 530 ho an'gny rakisy.71Gny ilany amin'gny lohan'ireo fianakavian'ireo razambe dra nagome dariky volamena ro aly vo name volafosy 2.200 ho an'gny rakisy.72Gny sisa tamireo vahoaky dra nagome dariky volamena ro arivo, vo name volafosy ro aly, vo akazo fisorogna fito amby enipolo.73Noho zay reo pisoro, reo Levits, reo piamby vavahady,reo pihira,gny ilany amin'gny vahoaky,reo panopon'gny tepoly,vo gny Israely aby dra nitoby tagny amin'gny tanan'ereo. Tamin'gny vola fahafito gny nametraha gny vahoakin'Israely tao amin'gny tanan'ereo."
Chapter 8

1Nivory manahaky gny olo raiky tegny akalamaza teo anoloan'gny Vavahadin-Drano gny vahoaky. Ereo dra nangataky an'i Ezrapisoro ba hinday gny bokin'gny lalan'i Moses, zay nandidian'i Yaveh an'Israely.2Tamin'gny andro voloahany vola fahafito, dra nonday gny lala teo anoloan'gny fengona i Ezra pisoro, ndre leleahy ndre apela, vo reo aby ze afaky niteno vo nahatakasy.3Niatriky gny roanga malalaky anoloan'gny Vavahadi-drano izy, vo namaky anizay vo maraindraim-be hatramin'gny dizera, nanoloa gny lelahy vo gny apela, vo ze afaky mahatakasy, vo dra niteno soa gny bokin'gny lalana gny olon'aby.4Boakeo Ezra panora-dalana nizoro teo ambon'gny lapihazo ze namboarin'gny olo ho anizay. Nizoro teo akavanany i Matitia, Sema, Anaia, Oria, Hilkia, vov Mahasela; vo iPedaia, Misaela, Malkia, Hasoma,Hasbadana, Zakaria, vo Mesolama dra nizoro teo amin'gny ilany akavia.5nisokafin'i Ezra amason'olon'aby gny boky, akory nizoro agnabo noho reo olo izy, no fa nisokafiny zay dra nisanga aby gny olo.6Ezra dra nagnome fisora an'i Yaveh, gny Zagnahary lahibe, vo reo olon'aby nanandrasy gny tagnany vo namaly ho: "Amena! Amena!" Boakeo ereo nagnondriky gny lohan'ereo sady nisiriry an'iYaveh tamin'gny fametraha gny tarehin'ereo tamin'gny tany.7Jesoa , Bani, Serebia, Jamina, Akoba, Sabetahy,Hodia, Mahaseia,Kelita, Azaria,Jozabada, Hanana, Pelaia---reo Levita---dra nagnapy reo olo ba hahatakasy gny lanlana avo koa, naho mbo nitoby tegny amin'gny toerany reo olo.8Nivakin'ereo tao amin'gny boky, gny Lalan'Agnahary, nagnazava anizay tamin'gny fandika vo fagnomeza gny dikan'izay so hahatakaran'ireo olo gny vakin-teny.9Nehemia governora, vo i Ezra pisoro vo panora-dalana, vo reo Levita gny nandika tamin'gny olo vo nizaka tamin'gny olon'abt ho; "Masy taho andro tahoky amin'i Yaveh Zagnaharindrareo. Ka mandala na mitomagny." Akory nitomagny aby gny olon'aby no fa nahare reo zakan'gny lalana.10Boakeo Nehemia nizaka tamin'ereo ho: "Mandehana amin'gny lalandrareo, mihinana matavy vo minoma raha finomy mamy, vo alefaso amin'ze sy nahaoma ndre ino ndre ino gny sasany amin'zay, Fa tiky andro tiky dra masy amin'gny Tomposika. Ka malahelo, fa gny fifalian'i Yaveh gny herin'iha.11Ko dra napegnenin'ireo Levita reo olo, nanao ho: "Misigna! Akory masy tiky andro tiky. Ka malahelo."12Vo nandeha tamin'gny lalany gny olon'aby ba hihina vo hino ba hizara hany vo hakalaza apifalia lahibe akory takan'ereo gny zaka ze napahafatary an'ereo.13Tamin'gny andro faharo reo pitariky gny fianakavian'ireo razambe boak'amin'gny olon'aby, reo pisoro vo reo Levita, dra avy mindray teo amin'i Ezra pisoro so hamesivesy laliky gny zakan'ireo lalana.14Hitan'ereo voasary tao amin'gny lalana gny fomba nandidian'i Yaveh tamin'gny alalan'i Mosesy fa gny vahoakin'Israely dra tokonyhitoby agnaty lay mandrisy gny firavoravoa amin'gny vola fahafito.15ereo dra tokony hanao fagnambara egny amin'gny tanan'aby, vo aoa Jerosalema, Manao an'izahoky ho; Mandehana egny amin'gny tany havoa, vo mindesa sapan'oliva vo hazon'olivadia, vo sapan-drotra, sapan-drofia vo sapakazo be, ba hamboara lay, araky gny voasorasy.16Ko niboaky gny olo vo ninday reo sapakazo nihery vo nanao lay ho an'ereo, isaky gny tafon'ereo aby' tegny atokotan'ereo, tegny amin'gny kiazan'gny tragnon'Agnahary, tegny amin'gny kiaza malalaky anoloan'gny vavahadin-drano, vo tegny amin'gny kiaza malalaky agnilan'gny vavahadin'i Efraima.17Gny fengonan'ireo aby ze nihery boak'amin'gny fahababoa dra namboasy lay vo nitoby tao agnatin'ireo. Fa nanomboky tamin'gny andron'i Josoa zanadahin'i Nona hatramin'iho andro iho, dra sy nakalaza an'izay firavoravoa an'izay gny vahoakin'Israely, ko dra lahibe vatany gny hafalian'ereo.18Isan'andro isan'andro avo koa, nanomboky tamin'gny andro volohany dra hatramin'gny farany, dra namaly gny bokin'gny lalan'Agnahary i Ezra Nitandry gny firavoravoa nandrisy gny fito andro ereo vo gny andro fahavalo gny fivoria magnetriketriky, ba ho fakatoava gny lalana.
Chapter 9

1Vo tamin'gny adro fahaefasy ambin'gny folon'iho vola iho avo dra nivory vo nifaly hany gny vahoakib'Israely, vo nisiky akazo fandala ereo, vo nagnosisy botany gny lohany.2Nagnasaraky gny vatany tamin'ireo vahiny aby gny taranak'i Israeluy. Nisanga vo nieky gny fahotan'ereo vo gny rasy nahin'gny razambeny ereo.3Nisanga teo amin'gny toerany ereo, vo tamin'gny ampahaefasy gny andro dra namaky gny tao amin'gny bokin'gny lalan'i Yaveh Zagnahariny ereo. Fa tamin'gny ampahaefasy gny andro hafa dra nieky gny helokin'gny sady niondriky teo alohan'Yaveh Zagnahary ereo.4Ereo Levita, Jesoa, Bany, Kaldmiela, Sebania, Bony, Serebia, Bany, vo Kenany, dra nizoro teo amin'gny tohasy dra nitoka tamin'gny feo agnabo an'i Yaveh Zagnaharin'ereo.5Vo reo Levita , Jesoa, vo Kaldmiela, Bany, Hasbania, Serebia, Hodia, Sebania, vo Petahia, nanao ho: " Misangana vo misiriria an'i Yaveh Zagnaharindrareo mandrakizay doria. "Hisaosy gny agnaran'iha be voninahisy ereo, dra asandrasy ambon'gny fisora vo fisiriria aby any zay.6Hanao gny Yaveh. Hanao raiky avo. Hanao gny nanao gny lagnisy, gny lagnisy agnbo vatany, mbamin'gny miaramilany aby, vo gny tany vo ze iaby aminazy eo, vo gny ranomasy vo ze iaby aminazy ao. Nagnomia aina andreo aby Hanao, vo gny miaramin'gny lagnisy manopo Anao.7Hanao gny Yaveh, gny Zagnahary zay nifily an'i Abrama, sady ninday anazy niboaky an'i Oran'gny Kaldeana, vo nagnomia anazy gny agnara Abrahama.8Hanao dra nahita fa nahatoky teo agnatrehanao gny fony, vo Hanao nanao fagneke taminazy ba hagnomia gny tanin'ereo Kananita, ereo Hetita, ereo Perizita, ereo Jebosita, vo ereo GIrgasita ho an'gny taranany. Nita gny fapagnatenanao Hanao akory Hanao dra mary.9Nahita gny fahorian'gny razanay tagny Egypta Hanao, dra nahare gny fitaregnan'ereo teo amin'gny Ranomasina Mena .10Nagnomia reo famatara vo fahagaga manohisy an'i Farao, vo gny panopony any, vo gny olon'aby tao amin'gny taniny Hanao, akory Hanao dra nahafatasy fa ereo Egyptiana dra nanao fihesiky agn'avo tamin'ereo. Kanefa nanao agnara ho Anao Hanao zay misanga mandrak'izao.11Dra nagnasaraky gny ranomasy teo anolon'ereo Hanao, ba hahafahan'ereo mandeha agnivon'gny ranomasy amin'gny tany maiky; dra nanipy ereo zay nagnitriky andreo ho amin'gny laliky agny, manahakygny vato atoraky agnaty rano laliky Hanao.12Tamy andrin-drahona nandesanao andreo tamin'gny andro, vo andrin'afo koa mandrisy gny hariva ba hisiko lala handehanan'ereo.13Nizoso tao an-tezovohisy Sinay Hanao dra niresaky tamin'ereo aby ato amin'gny lagnisy sady nagnomia fisipiky mahisy vo lala mary, beko vo lily soa.14Napahafatarinao andreo gny andro Sabata masinao, sady nagnomia andreo lily, vo fisipiky, vo lalana tamin'gny alalan'i Mosesy Hanao.15Nagnomia mofo boak'agny andagnisy andreo nohon'gny haresiany, vo rano boak'amin'gny vatolapy nohon'gny hetehetany, vo hanao nizaka andreo ba hilisy hangalaky gny tany nifatanao homia andreo.16Fa sy nagnaza Anao ereo vo gny razanay, sady maheriloha. vo sy hiteno gny lilinao ereo.17Nanda sy hiteno ereo, vo sy nisay mahakasiky reo fahagaga za fa nahinao tamin'ereo, fa nazary maheriloha, vo tamin'gny fikomian'ereo dra nanondro pitariky hihery amin'gny fagnandevoza ereo. Fa Hanao dra Zagnahary zay feno famela heloky, be fahasoava vo fagnoraha, sy mora ory, vo feno fitiava sy miova. Sy nagnenga andreo Hanao.18Ndre dra fa nanagny agnombilahy zanany aza ereo dra nanao an'izahopky ho: ' Tihoky gny Zagnaharindrareo ze ninday andrareo niawkasy niala tagny Egypta, sady fa nanao fagnirasira lahibe, Hanao. tamin'gny fangoraha-ponao 19dra sy nagnenga andreo tagny an'efisy. Gny andrin-draho mitariky andreo amin'gny lala dra bo nanenga andreo nandrisy gny andro, ndre gny andrin'afon'gny hariva ba hagnazava gny lala handehan'ereo.20Namian'Iha andreo gny Fagnahinao soa ba hapianasy andreo, sady sy niaro gny mananao sy ho eo amin'gny vavan'ereo Hanao, vo gny rano namian'Iha andreo nohon'gny hetahetany.21Nandrisy gny efapolo tao gny namasianao andreo tagny an'efisy, vo sy ory ndre ino ndre ino ereo. Gny akazon'ereo dra sy sy voriky vo gny faladian'ereo dra sy nivoto.22Nagnomia fazaka vo vahoaky ho andreo hanao, tamin'gny fanendre andreo isaky gny vaza-tany. Vo nangalaky gny tanin'i Siona pazakan'i Hesbona vo gny tanin'i Oga pazakan'i Basana ho fanagna ereo.23Nahinao maro isa manahaky gny kitan'gny lagnisy gny zanak'ereo, vo nanadesin'iha tagny amin'gny tany ze nizakanzao gny razambeny ba handehana vo alay ho fanagna ereo.24Dra nilisy gny vahoaky sady nagnala gny tany ho fanagna vo hanao nandresy reo ponin'gny tany' dra reo kananita teo agnatrehen'ereo. Namian'Iha reo ba ho eo an-tagnan'ereo, mindray amin'gny pazakan'ereo vo gny vahoakin'gny tany, ba hahafahan'i Israely manao ze mahasoa anazy amin'ereo eo.25Nambabo reo tana mifefy vo gny tany mamokasy ereo, vo nambabo reo tragno feno raha soa, famorian-drano fa voahaly, reo tanim-boaloboky vo tamin'oliva, vo hazo fihinam-boa maro. Dra nihina sady afa-po vo niha-natavy vo nanao ze nahafaly anazy ereo nohon'gny hasoanao lahibe.26Dra nazary sy pakato ereo vo nikomy hanohisy Anao. Narian'ereo tagny andamosiny gny lalanao. Namono reo paminaninao ze napitandry anazy ba hihery aminao ereo, sady nanao fagnirasira lahibe ereo.27Ko natolosin'iha tegny apelatagnan'gny fahavalony, ze napizaly anazy ereo. Tamin'gny fotoa nizaliany, dra nitaray taminao ereo, vo hanao nahare andreo boak'agny an-dagnisy, vo nohon'gny famindraponao lahibe dra nandefa pamozy ba hagnavosy an'ereo eo atagnan'ireo fahavalony Hanao.28Fa no fa avy nisahasy ereo, dra nanao rasy teo agnatrehanao ndraiky, dra nagnenga andreo teo atagnan'gny fahavalony Hanao, noho zay dra nifehy andreo gny fahavalony. Kanefa no fa nihery sady nitaray taminao ereo, dra nahare boak'agny an-dagnisy Hanao,29 sady matetiky Hanao gny mamozy andreo nohon'gny famindraponao. Napitandry andreo gny amin'gny ba hiheregnan'ereo amin'gny lalanao Hanao. Kanefa niavoganvo vo sy niteno gny lilinao ereo. nagnota nanohisy gny fisipikao ze nagnomia ay ho an'ze nakato anazy ereo. Nagnamafy gny hatony sady napihemosy gny sorony vo nanda sy hiteno ereo.30Fa maro tao gny nandeferanao vo napitandremanao andreo tamin'gny alalan'ireo paminaninao. kanefa sy niteno ereo. Ko dra natolosinao ho eo atagnan'ireo ponina magnodidy ereo.31Kanefa nohon'gny halahiben'gny famindraponao dra sy nandringa anazy tateraky hanao, na nahafo andreo, akory Hano dra Zagnahary be fahasoava sady be indrafo.32Vo noho zay, ry Zagnaharinay---Hanao lahibe, mahery, vo mahatahosy ze nitandry gny fagnekenao vo gny fitiavanao sy miovaova---aoky hasaiky Aminao zeho raha-sarosy aby za nihasy taminay, tamin'ereo pazakanay, tamin'ereo andrian-dahinay,vo tamin'ereo pisoronay, vo tamin'ereo paminaninay, vo tamin'ereo razambenay, vo tamin'gny vahoakinao aby hatramin'gny andron'gny pazakan'i Asyriaka mandrak'androany zao.33hanao dra mary tamin'ze iaby nahazo anay, akory Hanao dra nanday apahatokia, kanefa zahay gny nanao fihesiky naneho faharasia.34Ereo pazakanay, erro andrian-dahianay, ereo pisoronay, vo ereo razambenay dra sy nitandry reo lily vo reo lalanao, ndre nitandry reo lily vo reo lalam-panekegna za napitandremanao andreo.35Ndre dra tamin'gny fazakan'eeo manoka aza, naho nakafy gny soa lahibe nataonao taminazy ereo, tamin'gny tany malalaky vo mamokatry zay nahinao teo agnatrehan'ereo, dra sy ba nanopo Anao ereo na niala tamin'fny fomba rasiny.36Amizao zahay dra andevo amin'gny tany namianao gny razambenay ba hakafy gny vokasy vo gny fagnomeza soan'izay,sady ingo' andevo ao amin'izay zahay!37Gny pagnarivo nahazo tombony tamin'gny taninay dra magnagny amin'gny pazaka ze natobinao ba hazaka eo aminay nohon'gny fahotanay. ereo dra manapaky eo amin'gny tegnanay vo gny biby tezanay araky ze tiany. Agnaty fahoria lahibe zahay.38Noho zay aby zay, dra manao fagneke asorasy amy siaky zahay. Ao amin'gny atota-taratasy voatombokase gny agnaran'ereo andrian-dahinay, ereo Levita, vo ereo pisoro."
Chapter 10

1Ao amin'ireo atota-taratasy voatombo-kase i Nehemia, govvernora, zanadahin'i Hakalia Zedekia,2Seraia, Azaria, Jeremia,3Pasora, Amaria, Malkia,4Hatosy, Sebania, Maloka,5Harima, Meremota,Obadia,6Daniela, Ginetona. Baroka,7Mesolama, Abia, Miamina,8Mazia, Bilgay, vo Semaia. Reo gny pisoro.9Reo Levita dra: Jesoa zanadahin'i Azania, Binoy boak'amin'gny fianakavian'i Henadada, Kadmiela,10vo reo Levita namany dra i Sebania, Hodia, Kelita, Pelaia, Hanana,11Mika, Rehoba, Hasabia,12Zakora, Serebia, Sebania,13Hodia, Bany vo Benino,14Reo pitariky gny olo dra: Parosy, Pahata-moaba, Elama, Zato, Bany,15Bony, Azgada, Bebay,16Adonia, Bigvay, Adina,17Atera, Hezekia, Azora,18Hodia, Hasoma, Bezay,19Harifa, Anatota, Nebay,20Magpiasy, Mesolama, Hezira,21Mesezabela, Zadoka, Jadoa,22Pelatia, Hanana, Anaia,23Hosea, Hanania, Hasoba,24Halohesy, Pila, Sobeka,25Rehoma, Hasabna, Mahaseia,26Ahia, Hanana, Anana,27Maloka, Harima, vo Bana.28Fa gny olo sisa, ze pisoro, Levita, piamby vavahady, piansa, panopon'gny tepoly, vo gny iaby ze nagnasaraky gn'ainy tamin'ireo olo teo amin'gny tany magnodidy vo nanoka-bata ho an'izay lalan'Agnahary, agnisan'izay reo valiny, reo zanadahiny vo reo zanakapeleny, reo manapahalalan'aby vo gny fahazava say,29nindray niharo tamy reo rahalahiny, reo olon'agnabo ereo, vo namatosy gny vatany tamin'gny ozo vo gny fifata gny handeha amin'gny lalan'Agnahary, zay namen'i Mosesy panopon'Agnahary, vo ba handiniky vo hakato gny lilin'iYaveh Tomposika vo gny fisipikiny vo reo lalany aby.30Nifata zahay fa sy hagnomia gny zanakinay apela ho an'gny ponin'gny tany na hangalaky gny zanak'ereo apela ho an'gny zanakinay lelahy.31Nifata avo koa zahay fa naho manday etam-barosy na mety ho vary havily reo ponin'gny tany amin'gny andro Sabata, dra sy hivily amin'ereo amin'gny andro Sabata na amin'ze andro masy zahay. Isaky gny fito tao hapangalanay ay gny taninay,sady ho foagnanay reo trosa aby ze nifagnarahanay tamin'ireo Jiosy hafa.32Ekenay gny fandidia gny hagnomeza gny apahatelo-sekely isa-tao ho an'gny fanopoa gny tragnon'gny Zagnahary,33ho famasia ho an'gny fmofon'gny fagnatreha, vo ho an'gny fagnatisy hohany sy tapaky, gny fagnatisy oroa amin'gny andro Sabata, reo fetin'gny voloham-bola vo reo andro firavoravoa voatondro, vo ho an'ireo fagnatisy nohon'gny fahota ho fagnavota ho an'gny Israely, mbamin'ze iaby asa ho an'gny tragnon'gny Zagnaharinay.34Nana filoka ho an'gny fagnatisy hita reo pisoro, reo Levita, vo gny vahoaky. Reo filoka gny hifily gny amin'ze fianakavianay hinday gny hitay ho ao atragnon'Agnaharinay amin'gny fotoa voatondro isatao, ba horoa eo amin'gny alitaran'i Yaveh Zagnaharinay, araky ze voasorasy ao amin'gny lalana.35Nifata gny hinday reo voloha-bokasy ze magniry boak'amin'gny taninay, vo reo voloham-bokasy gny hazo aby isa-tao ao atragnon'i Yaveh zahay.36Araky ze voasorasy ao amin'gny lalana, nifata gny hinday gny volohan-terak'ereo zanadahinay vo reo agnomby vo gny agnondry aman'osinay ao atragnon'Agnaharary vo ho eo amin'ereo pisoro ze manopo ao zahay.37Handesinay gny volohan-kobanay vo gny fagnatisy hohany, vo gny tegnan'gny hazo aby,vo gny divay vaovao vo gny dikiko ze andesy eo amin'ereo pisoro, ho agny amin'gny efisy fitehirizan'gny tragnon'Agnaharinay. Handesinay eo amin'ereo Levita gny apahafolon'gny boak'amin'gny taninay akory ereo Levita dra mamory gny apahafolo-karena eo amin'ireo renivohisy aby ze hesanay.38Sy maisy misy pisoro, taranak'i Arona mindray amn'ereo Levita no fa mitakasy gny apahafolo-karena ho ao amin'gny tragnon'Agnaharinay ho agny amin'gny efisy fitahirizan;gny fandasahan-drakisy.39Gny olon'Israely vo reo taranak'i Levy gny minday reo fandresan'azaraamin'gny vary, divay vaovao, vo dililo agny amin'gny tragno fitavira ze hagnazaria gny raha masy vo reo nitobohan'ireo pisoro ze nanopo, vo reo piamby vavahady, vo reo pihira. Sy ho ahinay asiramby gny tragnon'gny Zagnaharinay.
Chapter 11

1Nitoby tagny Jerosalema reo pitariky gny vahoaky, vo gny vahoaky ambiny dra nanao filoka ba handesa gny raiky amy reo folo hitoby agny Jerosalema, gny tana masy, vo reo sivy hafa hitoby tagny amy reo tana hafa.2Boak'eo gny vahoaky nison-drano reo aby ze nanolo-tegna asitrapo gny hony agny Jerosalema.3Reo dra manam-boninahisy gny far=itany ze nitoby tagny Jerosalema. kanefa, dra nitoby tagny amin'gny tanan'gny Joda, agnisan'izay gny ilany amy reo Israelita, reo pisoro, reo Levita, reo panopon'gny tepoly, vo reo taranaky gny panopon'i Solomona.4Tagny Jerosalema gny nitoeran'gny sasany tamin'ireo taranak'i Joda vo reo taranak'i Benjamina. Reo vahoaky boak'amin'gny taranak'i Joda dra ahita an'i Ataia zanadahin'i Ozia zanadahin'i Zakaria zanadahin'i Amaria zanadahin'i Sefatia zanadahin'i Mahalila, gny taranak'i Fareza.5Tao i Maseia zanadahin'o Baroka zanadahin'i Kola Ahaza zanadahin'i Hazaia zanadahin'i Adaia zanadahin'i Joiariba zanadahin'i Zakaria, zanadahin'gny Silonita.6Ereo zanadahin'i Farez iaby ze nitoesy tagny Jerosalema dra 468. Ereo dra lelahy miavaky.7Tahoky aby reo taranak'ibenjamina: Salo zanadahin'i Mesolama zanadahin'i Joeda zanadahin'i Pedaia zanadahin'i Kolaia zanadahin' maseia zanadahim'i Itiela zanadahin'i Jesaia,8vo reo magnaraky anazy, dra Gabay vo Salay, lalahy 928,9Joela zanadahin'i Zisria gny piandrekis'ereo, vo Joda zanadahin'i Hasenoa dra faharo amin'gny fibekoa eo amin'gny tana.10Boak'amin'ereo pisoro: Jedaia zanadahin'gny Joariba, Jakina,11Seraia zanadahin'i Hilkia, zanadahin'i Mesolama zanadahin'i Zadoka zanadahin'i Meraiota zanadahin'i Ahitoba, gny lehiben'gny mana-pahefan'gny tragnon'Agnahary,12vo reo rahalahin'ereo ze nanao gny asa ao amin'gny tragno, lelahu 822, mindray Adaia zanadahin'i Jeroema zanadahin'i Pelaia zanadahin'i Amzi zanadahin'i Zakaria zanadahin'i Malkia.13Reo rahalahiny dra reo lohan'reo foko, lelahy 242; Amasay zanadahin'i Azarela zanadahin'i Ahazay zanadahin'i mesilemota zanadahin'i Imera,14vo reo rahalahiny, lelahy mahery fo amin'gny aly 128; reo pendrekiny dra i Zabdiela zanadahin'i Hagedolima.15Boak'amin'ereo Levita dra; i Semaia zanadahin'i Azrikama zanadahim'i Hasabia zanadahin'i Bony,16vo Sabetay vo Jozabada, zay boak'amin'gny pitarik'ereo Levita, zay misah gny asa ivelan'gny tragnon'Agnahary.17Vo Matania zanahdahin'i Zabdy, gny taranak'i Asafa, gny lahibe zay nanomboky gny fanolora fisora tamin'gny vavaky, vo Bakbokia, faharo amy reo rahalahiny, vo Abda zanadahin'i Samos zanadahin'i Galala zanadahim'i Jedotona.18Gny Levita aby tao amin'gny tana masy dra niisa 284.19Reo piamby vavahady dra: i Akoba, Talmona, vo reo namany, zay nagnara-maso reo vavahady, leleahy 172.20Gny Israely ambiny ze tao amy reo tanan'i Joda aby. Gny kirairaiky nitoby tao amin'gny lovan-taniny aby.21Reo piasan'gny tepoly nitoby tagny Ofela, vo Ziha vo Gispa nisaha andreo.22Gny lahiben'gny mana-boninahisy teo amy reo Levita tagny Jerosalema dra i Ozy zanadahim'i Bany zanadahin'i hasabiaha zanadahin'i Mika, tamin'gny taranak'i Asafa, pihira tamin'gny asa tao amin'gny tragnon'Agnahary.23Teo amban'gny baiko boak'amin'gny pazaka ereo, sady baiko fatrasy gny nomia reo pihira araky gny nitake isan'andro.24Boak'eo Petaia zanadahin'i Mesezabela, taranak'i Zera zanadahin'i Joda, dra teo agnilan'gny pazaka tamin'gny raha aby mahakasiky gny vahoaky.25no reo tana vo reo sahan'reo, gny sasany tamin'gny vahoakin'i Joda dra nitoesy tagny Kiriata-Arba vo reo tanany, vo tagny Dibona vo reo tanany, vo tagny Jekabzela vo reo tanany,26vo tagny Jesoa, Molada, Beti-Paleta,27Hasazasoala, vo Biry-seba vo reo tanany.28Gny ilany tamin'gny vahoakin'i Joda dra nitoesy tagny Ziklagy, Mekona vo reo tanany.29Enrimona, Zora, Jarmota,30Zanoa, Adolama, vo gny tanan'reo, vo tagny Lakisa sahanyvo Azeka vo reo tanany. Ka dra nitoby avy tagny Beri-sheba dra hatragny amin'gnylohasahan'i Hinoma ereo.31Nifitaky teo alohan'i Geba zayavo koa reo vahoakin'i Benjamina, tagny Mikmasy vo Aia, tagny Betele vo reo tanany,32tagny Anatota, noba, Anania,33Hazora, Rama, Gitaima,34Hadida, Jeboima, Nebala,35Loda, vo Ono, vo gny lohasahan'ereo panao asa tagna.36Gny ilany amin'ireo Levita ze nifitaky tagny Joda dra notendre tamin'gny vahoakin'i Benjamina.
Chapter 12

1Tahoky aby reo pisoro vo reo Levita ze niakasy nindray tamin'i Zerobabela zanadahin'i Sealtiela vo nindray tami'i Jesoa: Seraia, Jeremia, Ezra, 2Amaria, Maloka, Hatosy, 3Sekania, Rehoma, vo Meremota.4Nisy an'i Ido, Ginetoy, Abia, 5Miamina, Madia, Bilga, 6Semaia, Joiariba, Jedaia, 7Salo, Amoka, Hikia, Jedaia. Reo gny pitariky reo pisoro vo reo piara-miasa amin'ereo tamin'gny andron'i Jesoa.8Reo Levita dra Jesoa, Binoy, Kadmiela, serebia, Joda, vo Matania, ze nisaha gny hira fagnomezam-pisora, mindray amin'ireo piara-miasa aminazy. 9Bakbokia vo Ono, reo piara-miasa aminazy, dra nizoro nagnandrify andreo nandrisy gny asa fanopoa.10Jesoa gny ran'i Joiakima, Joiakima niteraky an'i Eliasiba, Eliasiba niteraky an'i Joaida, 11Joiada niteraky an'i Jonatana, Jonatana niteraky an'i Jadoa.12Tamin'gny andron'i Joiakima dra tahoky aby gny pisoro, lohan'ireo fianakavia: Meraia lohan'i Seraia, Hanania lohan'i Jeremia, 13Mesolama lohan'i Ezra, Johanana lohan'i Amaria, 14Jonatana lohan'i Meliko, vo Josefa lohan'i Sebania.15Adna gny lohan'i Harima, Helkay gny lohan'i Meraiota, 16Zakaria gny lohan'i Ido, Mesolama hmu lohan'i Ginetona, vo 17Zikry gny lohan'i Abia... an'i Miniamina. Piltahy gny lohan'i Moadia. 18Samoa gny lohan'i Bilga, Jonatana gny lohan'i Semaia, 19Matenay gny lohan'i Joariba, Ozy gny lohan'i Jedaia, 20Kalay gny lohan'i Salay, Ebera gny lohan'i Amoka, 21Hasabia gny lohan'i Hilkia, vo Netanela gny lohan'i Jedaia.22Tamin'gny andron'i Eliasiba, reo Levita Eliasiba, Jodaia, Johanana, vo Jadoa gny nirakety an-sorasy ho loham-pianakavia, dra reo pisoro gny nirakety an-sorasy nandrisy gny fanzakan'i Dariosy gny Persiana. 23Reo taranak'i Levy, reo lohan'gny fianakaviany dra voarakisy an-sorasy tao amin'gny bokin'gny tatara hatramin'gny andron'i Johanana zanadahin'i Eliasiba.24Reo lohon'ireo Levita dra Hasabia, Serebia, Jesoa zanadahin'i Kadmiela, nindray tamin'gny piara-miasa amin'ereo, ze nizoro nagnatriky andreo so hagnome fidera sady hagnome fisora, mifamaly gny isam-paritry, ho fagnekegna gny lilin'i Davida, gny lalahin'Agnahary. 25Matania, Bakbokia, Obadia, Mesolama, Talmona, vo Akoba,gny piamby vavahady niamby teo amin'gny tragno fitahiriza teo am-bavahady. 26Nanopo tamin'gny andron'i Joiakima zanadahin'i Jesoa zanak'i Jozadaka, vo tamin'gny andron'i Nehemia gny governora vo tamin'i Ezra pisoro vo panora-dalagna ereo.27Tamin'gny fanokana gny fefin'i Jerosalema, dra nitalia reo Levita tamin'ize iaby nitobohan'ereo gny vahoaky, handay andreo agny Jerosalema so hakalaza gny fanokana am-pifalia, amin'gny fanoloram-pisora dra hihira amin'gny kipanso, valiha, vo amin'gny lokanga. 28Reo piara-mihira dra nindra nivory isan-tokony nagnodidy an'i Jerosalema vo boaky amin'ireo tana agny Netofatita.29Boaky agny Beti-gilgala avo koa ereo vo boaky agny amin'ireo sahan'i Geba vo Azmaveta, fa reo pihira dra fa nagnamboasy zana-bohisy nagnodidy an'i Jerosalema ho andreo. 30Bokeo reo pisoro vo reo Levita dra nagnadio gny vatan'ereo, vo bokeo nagnadio gny vahoaky, reo vavahady, vo gny fefy.31Dra napekariko tegny an-tapon'gny fefy reo lohan'i Joda, dra nanendry antoko-pihira lahibe ro ze nagnome fisora zaho. Gny raiky dra nandeha tagny akavagnan'gny fefy nagneo amin'gny Vavahadin-Zeziky.32Hosaia vo gny ansasaky gny pitarik'i Joda nagnaraky andreo, 33dra nagnaraky andreo i Azaria, Ezra, Mesolama, 34Joda, Benjamina, Semaia, Jeremia, 35vo gny sasany tamin'ireo zanadahin'gny pisoro nindray tamin'gny asaiva, vo Zakaria zanadahin'i Jonatana zanadahin'i Semaia zanak'i Matania zanak'i Mikaia zanak'i Zakora zanak'i Asafa.36Nisy an'ireo havan'i Zakaria avo koa, dra Semaia, Azarela, Milalay, Gilalay, May, Netanela, Joda, Hanany, nindray tamin'ireo raha magnenon'i Davida gny lelahin'Agnahary. Ezra panora-dalagna dra teo agnoloan'ereo.37 Teo agnilan'gny Vavahadin-Doharano gny niakasy tohasy tao amin'gny tanan'i Davida, tamin'gny zana-tohasy magnagny amin'gny fefy ambonin'gny lapan'i Davida, tagny amin'gny Vavahadin-Drano eo asinagna ereo.38Nandeha tamin'gny lalan-kafa gny atoko pihiran'ireo ze nagnome fisora. Nagnaraky andreo teo amin'gny fefy nindray tamin'gny ansasaku gny vahoaky zaho, dra teo amin'gny Tilikambon'gny Fatana, teo amin'gny Fefy Lahibe, vo ambonin'gny Vavahadin'i Efraima, 39vo teo amin'gny Vavahadiy Taloha, vo teo amin'gny Vavahadin'gny Hazan-drano vo gny Tilikambon'i Hananela vo gny Tilikambon-Zato, teo amin'gny Vavahadin'gny Agnondry, dra nizano teo am-Bavahadin'gny Piamby ereo.40Dra nangalaky gny toeran'ereo tao an-tragnon'Agnahary reo antokom-pihira ron'ireo nagnome fisora, sady nangalaky gny toerako nindray tamin'gny ansasaky gny manam-pahefa nindray taminahy avo koa zaho. 41Bokeo dra nangalaky gny toerany reo pisoro: Eliakima, Mahaseia, Miniamina, Mikaia, Elionay, Zakaria, vo Hanania, mbamin'ireo asava,42 vo Mahaseia, Semaia, Eleazara, Ozy, Johanana, Malkia, Elama, vo Ezera avo koa, vo reo pihira nanao ze hahareza andreo dra Jizrahia gny pitariky andreo.43Nanolosy soro lahibe ereo tamin'izeho andro zeho, dra niravo, akory Zagnahary napiravo andreo tamim-pifalia lahibe. Reo apela vo ankizy avo koa dra nifaly, Dra re boaky lavisy gny fifalian'i Jerosalema.44min'izeho andro zeho dra nisy reo lelahy notendre hisaha gny tragno fitahirizan-drakisy, reo voloham-bokasy, vo reo apahafolon-kare, so hamory gny anzara takin'gny lalagna ho an'ireo pisoro vo ho an'ireo Levita ao amin'ireo. Gny kiakiraiky dra nitendre so hiasa reo saha marin'gny renovohisy. Akory nifaly tamin'ireo pisoro vo reo Levita ze nizoro teo agnoloan'ereo i Joda. 45Nagnatateraky gny asa ho an'gny Zagnaharin'ereo, vo gny asa fagnadiova ereo, nanao manahaky anizeho koa reo pihira vo reo piamby vavahady, tamim-pitandrema gny lilin'i Davida vo Solomona zanadahiny.46Fa taloha ela be, tamin'gny andron'i Davida vo Asafa, dra nisy pitariky reo pihira, sadynisy hira fidera vo fagnomezam-pisora ho an'Agnahary. 47Tamin'gny andron'i Zerobabela vo tamin'gny andron'i Nehmia, dra nagnome gny anzara isan'andro ho an'ireo pihira vo piamby vavahady reo Israely aby. Natokan'ereo gny anzara ze ho an'ireo Levita, vo reo Levita nanoka anzara ho an'ireo taranak'i Arona.
Chapter 13

1Tamin'izeho andro zeho dra nivakian'ereo teo an-sofin'gny vahoaky gny Bokin'i Mosesy. Hita vooasorasy tao amin'izeho fa sy misy Amonita na Moabita tokony hilisy ao amin'gny fiangonan'Agnahary, mandrakizay. 2Zeho dra akory sy avy teo amin'gny zanak'Israely nindray tamin'gny mofo vo rano ereo, fa nagnakaram an'i Balama so hagnozo gny Israely ereo. Ndre dra zeho aza, navaliky gny Zagnaharisika ho fitahia gny ozo. 3No vo nahare gny lalagna ereo, dra nisarahin'ereo tamin'Israely gny olo hafa firene aby.4Vo tafaran'izeho iho Eliasiba pisoro iho dra voatendry ho amin'ireo tragno fitahirizan'gny tragnon'Agnaharisika. Izy dra nana fifandresa tamin'i Tobia. 5Nikarakara efitragno fitahiriza lahibe ho an'i Tobia i Eliasiba, zay nitahirizan'ereo gny fagnatisy hohany, gny ditin-kazo magnisy, reo kozakoza,vo reo apahafolom-bokasy, divay vaovao, vo gny dililo, ze voatoka ho an'ireo LEvita, reo pihira, reo piamby vavahady, vo reo anzara ho an'ireo pisoro tagny aloha.6Fe tamin'izeho fotoa aby zeho dra sy tao Jerosalema zaho. Fa nandeha tagny amin'gny pazaka zaho tamin'gny faharo amby telopolo tao nanzakan'i Artaksersesy pazakan'i Babyloa. Fotoa masaiky tafaran'izeho dra nangataky alala hanenga gny pazaka zaho, 7dra nihery tagny Jerosalema. Fatako mansy gny rasy ze fa nahin'i Eliasiba tamin'gny nagnomezany an'i Tobia efitragno fitahiriza lahibe tao ank-kianzan'gny tragnon'Agnahary.8Ory fatrasy zaho dra naboakiko teo ivelan'gny efitragno fitahiriza aby reo etan'gny fianakavian'i Tobia aby. 9Nandily gny hagnadiovan'ereo reo efitragno fitahiriza zaho, dra naheriko tao amin'iregny reo etan'gny tragnon'Agnahary, reo fagnatisy hohany, vo gny ditin-kazo magnisy.10Fatako fa bo sy nome andreo gny anzaran'ireo Levita, fa nilefa ereo, samby nagnagny amin'gny taniny abu, reo LEvita vo reo pihira ze nanao gny asa. 11Dra nifagnatriky tamin'ireo manam-boninahisy zaho dra nanao ho: "Nagnino gny nisinosinoavy gny tragnon'Agnahary?" Navoriko niaraky dra napetrko tamin'gny toerany reo.12Bokeo dra nanday gny apahafolom-bokasy, gny divay vaovao, vo gny dililo ho agny efitragno fitahiriza gny Joda aby. 13Nanendry an'i Selemia pisoro vo Zadoka panoran-dalagna, vo tamin'ireo Levita, Pedaia, ho pitam-bolan'gny tragno fitahirizan'Agnahary zaho. Teo agnilan'ereo i Hanana zanadahin'i Zakora zanadahin'i Matania, fa ereo gny voazaka ho magneva-pitokisa. Gny adidin'ereo dra mizara reo vasy ho an'ireo piara-miasa amin'ereo. 14Sarovy zaho, ry Zagnahariko, mahakasiky anizeho, sady ka fafa reo asa soa ze fa nahiko ho an'gny tragnon'Agnaharinay vo reo fanopoa anizeho.15Vo tamin'izeho andro zeho dra nahita reo vahoaky tao Joda nagnosihosy famiazam-boaloboky tamin'gny Sabata sady nanday salohim-bary dra napanday aniregny tamin'gny borikiny, vo koa divay, voaloboky, aviavy,vo reo karazan-draha mavesatry aby, ze nandesin'ereo tao Jerosalema tamin'gny andro Sabata zaho. Nanohisu fatrasy gny nivarotan'ereo hany tamin'izeho andro zeho zaho.16Reo lelahy latagny Tyro nitoboky tao Jerosalema dra nanday hazandrano vo etam-barosy sambihafa, dra nivarotin'ereo tamin'gny andro Sabata tamin'gny vahoakin'i Joda vo tao amin'gny tana regny! 17Dra nifagnatriky tamin'ireo pitarik'i Joda zaho ho: "Ino zeho raha rasy ahindrareo, mandoto gny andro Sabata zeho?18 Sa ra nanao zeho ra reo razandrareo? Sa sy Zagnahary ra gny nanday zeho rasy aby zeho taminsika vo tamin'itiky tana tiky? Androany handrareo dra manday hahoria bebe kokoa amin'Israely tamin'gny fandotoa gny Sabata."19No vantany vo mezy teo amin'gny vavahadin'i Jerosalema talohan'gny Sabata, dra nandily gny hikatognan'ireo vatrangara vogny sy tokony hisokafan'iregny sasy hatramin'gny afaran'gny Sabata zaho. Nametraky gny sasany tamin'ireo panopoko teo amin'ireo eta ho afaky andesy milisy amin'gny andro Sabata. 20Nitoby tagny ivelan'i Jerosalema ndraiky mandeha na indro reo pandranto vo pivarosy karazan'eta aby.21Fe zahi napitandry andreo ho; "Nagnino handrareo gny mitoby ivelan'gny fefy? No bo mapihery anizeho handrareo, dra hikasi-tagna andrareo zaho!" Nanomboky tamin'izeho fotoa zeho dra sy avy tamin'gny andro Sabata sasy ereo. 22Bokeo nandily reo Levita zaho so hagnadio gny vatan'ereo, dra ho avy hiamby reo vavahady, so hagnamasy gny andro Sabata. Sarovy avo koa zaho gny amin'izeho, ry Zagnahriko, dra mamindra fo aminahy nohon'gny sy fivaliam-paneke anagnaniha aminahy.23Tamin'izeho andro zeho dra nahita reo Jiosy ze nanambaly reo apelan'i Asdoda, Amona, vo Moaba avo koa zaho. 24Nizaka tamin'gny fizakan'i Asdoda gny ansasaky gny taranak'ereo. Sy nisy tamin'ereo nahay nizaka gny fizakan'i Joda, fa gny fizakan'gny raiky amin'ireo olo hafa raiky avo.25Nifagnatriky tamin'ereo zaho, dra nagnoso andreo, dra nizera gny sasany tamin'ereo sady nandrirosy gny volon'ereo. Napifata andreo tamin'Agnahary zaho, nanao ho: "Handrareo dra sy tokony hagnome gny zanaky apelandrareo ho an'ireo zanadahin'ereo regny, na hangalaky gny zanaky apelan'ereo regny ho an'gny zanadahindrareo, na ho andrareo. 26Sa sy nanota tamin'ireo apela reo se i Solomona pazakan'Israely? Sy nisy pazaka manahaky anazy tamin'ireo firene maro, dra tian'gny Zagnahariny izy, dra Zagnahary nanao anazy ho pazaka nanera gny Israely aby. Ndre dra zeho aza, napanotan'ireo valiny hafa firene izy. 27Sa ra tokony hiteno aniha zahay dra hhanao zeho rasy lahibe zeho, dra mivalky amin'gny Zagnaharisika amin'gny fangala apela hafa firene ho valy?"28Raiky amin'ireo zanadahin'i Joiada zanadahin'i Eliasiba pisorabe dra vinato lahin'i Sambala Horonita. Noho zeho dra napilefasiko tamin'gny fagnatrehako izy. 29Sarovy izy regny, ry Zagnahariko, akory fa nandoto gny fisorogna, vo gny faneken'gny fisorogna vo reo Levita.30Sahala anizeho gny nandiovako anazy regny tamin'gny raha aby hafa firene, dra nametraky reo adidin'ireo pisoro vo reo Levita, gny kiarikiaraiky ho samby amin'gny asany aby. 31Namasy tamin'gny fotoa voatondro gny fagnatisy kitay vo reo voloham-bokasy zaho. sarovy amin'gny soa zaho, ry Zagnahariko.

Esther

Chapter 1

1Tamin'gny andron'i Ahasoerosy (Ahasoerosy gny nanzaka hatragny India dra hatragny Etiopia, nagneniky gny faritany 127), 2tamin'izeho andro zeho dra nitoboky teo amin'gny seza fiandrianany tao amin'gny ferova fatrasin'gny Sosana i Ahasoerosy pazaka.3Tamin'gny tao fahatelo nanzakany, dra nanao fanasa ho an'ireo manam-pahefa vo reo panopony aby izy. Gny tafik'i Persia vo Media, reo lelahy manan-kaza, vo reo governoran'ireo faritany dra teo amin'gn fagnatrehany. 4Napiharihary gny haren'gny famirapiratan'gny fanzakany vo gny hazan'gny voninahisin'gny fahalabiazany nandrisy gny andro maro, nandrisy gny 180 andro izy.5Vo nofa tapisy reho andro reho, dra nanao firavoravoa nandrisy gny fito andro gny pazaka. Nahy ho an'gny olo aby teo amin'gny ferova fatrasin'i Sosana zeho, hatramin'gny lahibe loasy dra hatramin'gny madiniky loasy. Nahy teo an-kianzan'gny zaridain'gny lapan'gny pazaka zeho. 6Gny kianzan'gny zariday dra voahengo tamin'gny lamba vita amin'gny landihazo fosy vo volompoarasy. tamin'gny kofehin-drongony fosy madiniky vo volomparasy, nihanto tamin'gny mason-drozo volafosy hatregny amin'gny andrin'gny marbra. Nisy farafara volamena vo volafosy teo amin'gny filaharan'gny lapivato porfira, marbra, hara, vo rarivato miloko.7Naroso tamin'gny kapoaky volamena gny raha finomy. Gny kapoaky kiraikiraiky dra sy manam-paharo dra maro vatany gny divaim-panzaka nohon'gny fahalalaln-tagnan'gny pazaka. 8Gny raha finomy dra nandesy niboaky ho fitandrova gny lily ho: "Sy misy faneritere." Nagnome beko gny piasa aby tao an-dapany gny pazaka so hanao se iaby irin'gny vahiny kiraikiraiky.9Dra nanao fanasa ho an'gny apela avo i Vasty pazaka vavy tao amin'gny lapan'i Ahasoerosy pazaka. 10Tamin'gny andro fahafito, no nahasiaro faly gny fon'gny pazaka nohon'gny divay, dra nizaka tamin'i Mehomana, Bizta, Harbona, Bigta, Abagta, Zetara, vo Karkasa (reo manam-boninahisy fito nanopo teo agnoloany) izy, 11so handay gny pazaka vavy Vasty ho eo agnoloany miaraky amin'gny satro-boninahiny. Tiany haseho amin'gny vahoaky vo reo manam-boninahisy gny hasoany, akory manaisy loasy gny tarehiny.12Fa nanda gny handeha araky gny zakan'gny pazaka ze nandesin'ireo manam-boninahisy teo aminazy i Vasty pazaka vavy. Bokeo dra ory fatrasy gny pazaka; nirehisy tao agnatiny gny hahoriany.13Noho zeho gny pazaka dra nifandiniky tamin'ireo lelahy ze fatasy fa hendry, ze mahafatasy gny andro ( fa zeho gny fahin'gny pazaka magnoloa an'ireo aby manam-pahaiza manoka amin'gny lalagna vo gny fisara). 14Vo gny mariny anazy loasy dra i Rarsena, Setara, Admata, Tarsisy, Maresa, MArsena, vo Memokana, reo andria fiton'i Oersia vo Media. Afaky nifanerasera tamin'gny pazaka ereo, dra nita gny toera ambony tao amin'gny fanzaka. 15"Araky gny fagnarahan-dala, ino gny tokony hahy amin'i Vasty pazaka vavy nohon'gny sy fagnekeny gny bekon'i Ahasoerosy pazaka, ze nandesin'ireo manam-boninahisy teo aminazy?"16Ho Memokana teo agnatrehan'gny pazaka vo reo manam-boninahisy ho: "Sy tamin'gny pazaka avo i Vasty pazaka vavy gny nanao fahadisoa, fa tamin'ireo manam-boninahisy vo reo vahoaky ze manera gny faritanin'i Ahasoerosy pazaka avo koa. 17Fa gny raha nahin'gny pazaka vavy dra ho fatan'ireo apela aby. Hahavy andreo hamingavinga gny valin'ereo zeho. Hizka ereo ho: 'Nagnome lily i Ahsoerosy pazaka so ho anddesy eo agnoloany i Vasty pazaka vavy, fa nanda izy. 18Mialohan'gny hiafaran'itiky andro tiky avo gny andriambavin'i Pesia vo Media ze nahare gny raha nahin'gny pazaka vavy dra hizaka manahaky anizeho amin'ireo manam-boninahisy gny pazaka koa. Dra hisy famingavinga vo hahoria be.19No ankasitrahin'gny pazaka zeho, dra aoky hisy lilim-panzaka hiboaky boaky aminazy agny, dra aoky ho voasorasy ao amin'gny lalagnan'i Persianina vo Medianina, ze sy azo foagna, fa Vasty dra mahazo magneo agnoloany sasy. Aoky homen'gny pazaka ho an'gny apela ze soa noho izy gny toera maha-pazaka vavy anazy. 20Nofa voatory manera gny fanzaka midadasiky zeho lilin'gny pazaka zeho, dra hagnaza gny valiny aby gny apela aby, manomboky amin'gny lahibe loasy dra hatramin'gny madiniky loasy."21Dra sitraky gny pazaka vo gny andriany zeho toro-hevisy zeho, dra nanao araky ze nanoloran'i Memokana hevisy anazy gny pazaka.22 Nandefa taratasy ho agny amin'gny faritanm-panzaka aby izy, ho an'ireo faritany aby araky sorany aby, vo ho an'gny firene kiraikiraiky araky gny fizakany aby. Nanao lily izy fa gny lelahy aby dra masi-mandily eo amin'gny tokatragnony. Nome araky gny fizakan'ireo vahoaky kiraikiraiky tao amin'gny fanzakany zeho lily zeho.
Chapter 2

1Tafaran'ireo raha reo, nofa nitony gny hahorian'i Ahasoerosy pazaka, dra nieriserisy an'i Vsty vo ze fa nahiny izy. Nieriseretiny koa gny lily ze nandesiny nisara anazy. 2Dra ho ereo zatovo lahin'gny pazaka ze nanopo anazy ho: "Aoky hisy fitaliava tovovavy soa tarehy viriziny ho an'gny pazaka.3Aoky gny pazka hanendry gny manam-pahefa amin'gny faritany aby amin'gny fanzakany, so hanango reo tovovavy soa tarehy viriziny aby ho agny an-tragnon'apela agny amin'gny ferova fatrasy agny Sosana.Aoky ereo hapetraky ao amban'gny fiahian'i Hegay, sindranolahin'gny pazaka, ze miandraikisy gny apela, dra aoky izy hagnome andreo reo fikoloa gny tarehin'ereo.4 Aoky gny tovovavy ze mahafaly gny pazaka ho lasa pazaka vavy ep amin'gny toeran'i Vasty." Dra nahafaly gny pazaka zeho toro-hevisy zeho, ka dra nitaterahiny arak'izeho.5Dra nisy Jiosy raiky tao amin'gny ferova fatrasin'i Sosana ze nitokavy ho Mordekay zanadahin'i Jaira zanadahin'i Simey zanadahin'i KIsy, zay taranak'i Benjamina.6 Nandesy boaky tagny Jerosalema nindray tamin'ireo sesitany mbamin'ireo ze nala nindray tamin'i Jekonia, pazakan'i Joda, ze niboaboin'i Nebokadnezara pazakan'i Babylona izy.7Izy gny niteza an'i Hadasa, ze ahy ho, Estera, zanakay apelan'gny dadatoany, akory sy nana ndre ra ndre reny izy. Soa tarehy gny tovovavy sady manam-bika maha-te-ho tia. Dra nirambesin'i Mordekay manahaky gy zanany apela izy.8Nofa nambara gny beko vo gny lilin'gny pazaka, dra tovovavy maro gny nandesy tagny amin'gny ferova fatrasin'i Sosana. Napetraky teo ambany fiahian'i Hegay ereo. Dra nandesy tao an-dapan'gny pazaka koa i Estera dra napetraky tao ambany fiahian'i Hegay, gny piandraikisy gny apela.9 Dra nahafaly anazy gny tovovavy, dra nahita sitraky taminazy izy. Avy hatragny dra nomeny reo fikoloa tarehy vo gny anzara sakafony izy. Dra nanendry panopovavy fito boaky tao an-dapan'gny pazaka ho anazy izy, dra nafindrany tao amin'gny toerany soa indrindra tao an-tragnon'ireo apela izy mbamin'ireo panopovavy.10Sy nizakan'i Estera tamin'ia na ia ze firene na reo havany, akory fa nanarin'i Mordekay izy bo sy hizaka. 11Isan'andro dra mivezivezy manoloa gny kianza eo ivelan'gny tragnon'ireo apela i Mordekay, so hahafatarany gny mahakasik'i Estera, vo mahakasiky ze hahy aminazy.12Nofa avy gny anzaran'gny tovovavy kiraikiraiky ba ho ao amin'i Ahasoerosy pazaka--- arak'ireo lily amam-pisipiky ho an'ireo apeka, dra sy maiansy mahafeno fikarakara hasaom-baya mandrisy gny ro amby folo vola gny tovovavy kiraikiraiky, enim-bola mindray amin'gny menaky miora, vo enim-bola koa mindray amin'ireo raha magnisy vo reo fikoloa tarehy--- 13nofa nadeha nagnagny amin'gny pazala gny tovovay raiky, dra nome anazy ze iaby nilany tao an-tragnon'ireo apela, so ho anazy ho andesy ao an-dapa.14Gny hariva dra hilisy ao agnattiny izy, vo gny maraindray koa dra hihery ao an-tragno faharon'ireo apela izy, dra gnyan-tragno ferovan'i Sasegaza, sinandrolahin'gny pazaka, ze niandraikisy gny vadisindrano. Dra sy hihery agny amin'gny pazaka sasy izy no sy fa nahazo fifaliam-be tamin'apela, dra nitoka anazy ndraiky.15NOfa avy gny fotoan'i Estera (zanaky apelan'i Abihaila, rahalahin-dran'i Mordekay, ze fa nandramby anazy sahaly gny zanaky apela) hilirany tao amin'gny pazaka, dra sy nangataky ndre ino ndre ino izy, ankoas'ize natolos'i Hegay sindranolahin'gny pazaka, ze niandraikisy reo apela, avo. Dra nahazo fankasitraha tamin'ize iaby nahita anazy i Estera. 16Dra nandesiny tagny amin'i Ahasoerosy pazaka ho ao amin'gny toeram-ponegnan'gny pazaka tamin'gny vola faha folo i Estera, ze volan'i Tebeta, tamin'gny fahafito tao nanzakany.17Dra tian'gny pazaka mihoasy noho reo apela aby i Estera dra nahazo faneke vo fankasitraha teo agnatrehany izy, mihoasy noho reo viriziny aby. Noho zeho dra nisatrohiny satro-boninahisy teo amin'gny lohany dra nahiny pazakavavy solon'i Vasty izy.18 Dra nagnome fanasa lahibe ho an'ireo manam-pahefa iaby vo reo panopony aby gny pazaka, "fanasan'i Estera," dra nomeny fahafaha tamin'gny fandoavan-ketra reo faritany. Dra nagnome fagnomeza tamin'gny fahalalahan-tagnan'gny pazaka koa izy.19Dra nofa tafavory fagnindrony re viriziny, dra nitoboky teo am-bavahadin'gny pazaka i Mordekay. 20Bo sy nizaka tamin'ia na ia mahakasiky reo havany vo gny fireneny i Estera, arak'ize nagnanaran'i Mordekay anazy. Dra nagnaraky hatragny gny toro-hevis'i Mordekay izy, arak'ize fa nahiny tamy izy nitezany. 21Tamin'izeho andro zeho, no nitoboky teo am-bavahadin'gny pazaka i Mordekay, dra soregna sady nitalia hagnisy rasy an' Ahsoerosy pazaka, gny ro tamin'ireo sindranolahy, dra Bigtana vo Taresy, ze niamby gny vavahady.22Nofa fatan'i Mordekay gny raha nisy, dra nitatarany tamin'i Estera pazakavavy, dra Estera koa niresaky tamin'gny pazaka tamin'gny agnaran'i Mordekay. 23Voahadihady sady voamary gny tatisy, dra nahanto tamin'gny hazo fanantona izy mirahalahy. Nisorata tao agnatin'gny Bokin'gny Tatara teo agnatrehan'gny pazaka zeho tatara zeho.
Chapter 3

1Tafaran'ireo raha reo, dra nasondros'i Ahasoerosy pazaka i Hamana zanak'i Hamedota ao Agatita, dra napetrany ambonin'ireo manam-pahefa aby amboni'ireo manam-pahefa aby ze nindray taminazy gny toeram-pahefany. 2Reo panopon'gny pazaka aby ze tao am-bavahadin'gny pazaka dra nandohaliky sady niankohoky tamin'i Hamana, arak'ize nibekon'gny pazaka hahin'ereo. Fe sy nandohaliky na hiankohoky taminazy i Mordekay.3Dra ho reo panopon'gny pazaka ze teo am-bavahadin'gny pazaka tamin'i Mordekay ho: "Nagnino hanao gny sy magneky gny lilin'gny pazaka?" 4Niresaky taminazy isan'andro ereo. fe nanda gny hagnatateraky gny fangatahan'ereo izy. Koa dra niresaky tamin'i Hamana izy so hizaha no nizano manahaky gny zaha mahakasik'i Mordekay, fa izy dra fa nizaka tamin'ereo fa Jiosy izy.5Nofa hitan'i Hamana fa sy nandohaliky vo niakohoky taminazy i Mordekay dra feno hahoria izy. 6Nanda gny hevisy hamono an'i Mordekay raiky avo izy, fa reo panopon'gny pazaka nizaka taminazy ho ia moa gny vahoakin'i Mordekay. Nagniry gny handripaky gny Jiosy aby i Hamana, gny vahoakin'i Mordekay, ze tao amin'gny fanzakan'i ahsoerosy manotolo.7Tamin'gny vola volohany (ze volan'i Nisana), tamin'gny faharo ambin'gny folo tao nanzakan'i Ahasoerosy, dra gny Pora--- zeho gny loka--- natoraky teo agnoloan'i Hamana, so hifiliana andro vo vola. Dra natorak'ereo ombiegny ombiegny gny loka mandra-pilasahan'izeho teo amin'gny vola faha roambin'gny folo (ze volan'gny Adara).8Dra ho Hamana tamin'i Ahasoerosy Pazaka ho: 'Misy vahoaky sasany miely sady miparitaky manera gny faritanin'gny fanzakaniha aby. Gny lalagnan'ereo dra hafa noho gny an'gny vahoaky sasany, vo ereo dra sy mbo mitandry gny lalagnan'gny pazaka, dra sy mahasoa gny pazaka gny fanenga andreo hizano. 9Fa no sitraky gny pazaka, dra magnomeza beko so hamonoa andreo, dra handoa taleta volafosy ray aly eo an-tagnan'gny panao raharahan'gny pazaka zaho, so ho andesy ao amin'gny rakisy gny pazaka."10Dra nandramby persy fitombokase tamin'gny tagnany gny pazaka dra nomeny an'i Hamana zanadahin'i Hamedata Agnatita, fahavalon'ireo Jiosy. 11Ho gny pazaka tamin'i Hamana ho: "Hitako fa nahery taminrareo vo gny vahoakinddrareo gny vola. Hoa hindrareo amin'ize hirindrareo zeho."12Dra voatoka tamin'gny andro fahatelo ambin'gny folo tamin'gny vola volohany reo pagnora-dalagnan'gny pazaka, vo gny lalagna aby ze nandilian'i hamana dra nisorata ho an'ireo governoram-paritanin'gny pazaka, reo ze teo amin'gny faritany aby, ho an'ireo governoran'gny olo sambihafa aby, vo ho an'gny manam-pahefan'gny vahoaky aby, isakin'gny faritany gny sora-tagnan'ereo, vo ho an'gny vahoaky aby isakin'gny fizakany aby. Dra nisorata tamin'gny agnaran'i Ahasoerosy pazaka zeho dra voatombokase tamin'gny perasiny. 13Natolo-tagna tamin'gny alalan'ireo iraky tagny amin'gny faritanin'gny pazaka aby reo antontan-taratasy, so handripaky, hamonoa, vo hamoteha gny Jiosy aby, manomboky amin'gny tanora hatramin'gny antisy, vo gny ankizy vo gny apela, agnayin'gny andro raiky--- amin'gny andro faha-telo ambin'gny folo amin'gny vola faharo amin'gny folo (zay volan'i Adara) ---dra bo handrobagna gny haren'ereo.14Nahy talagna isaky gny faritany gny dika amin'gny taratasy. Dra napahafatary gny vahoaky aby isaky gny faritany fa tokony hiomanan'ereo ho amin'izeho andro zeho. 15Dra niboaky reo iraky dra nizara malaky gny lilin'gny pazaka. Fa voazara tao amin'gny ferova fatrasin'gny Sosana vo koa gny lalagna. Nitoboky bo hino i Hamana vo gny pazaka, fe tao agnaty korota gny tanan'gny Sosana.
Chapter 4

1Nofa fatas'i Mordekay ze fa vita aby, dra nirovitiny gny akazo dra nitafy lamba fandala sady nihoson-davenoky izy. Nandeha niboaky teo agnivon'gny tana izy, dra nihiakiaky vo nidradradradra fatrasy. 2Avy lavisy teo amin'gny vavahadin'gny pazaka avo izy, akory sy nisy olo nahazo alala andeha eo amin'izeho mindray amin'gny akazo fandala. 3Dra tagny amin'gny farisy aby, ndre teza ndre teza avin'gny beko vo lalagnan'gny pazaka, dra nisy fandala lahibe teo amin'ireo Jiosy, nindray tamin'gny fifadihan-kany, fitomagnia, vo fitaraigna. Maro amin'ereo gny nandry teo amin'gny lamba fandala amin-davenoky.4Nofa avy gny ankizivavin'i estera vo reopanopony dra nizaka taminazy, dra nalahelo fatrasy gny pazaka vavy. Nandefa fitafy hapiakazoa an'i Mordekay izy (so afahany mangalaky akazo fandalany), fe sy hagneky reo izy. 5Bokeo estera nitoka an'i Hataka, raiky amin'ireo sindranolahin'gny pazaka ze nitendre hanopo anazy. Nibeko anazy so handeha agny amin'i Modekay izy so hahafatara ze nitranga vo ze anton'izeho.6Noho zeho dra nagnagny amin'i Mordekay agny amin'gny tana eo agnoloan'gny vavahadin'gny pazaka i Hakata. 7Nizakan'i Mordekay taminazy ze iaby nitranga taminazy, vo gny fitambaran'gny volfosy ze napagnatenan'i Hamana haloa vo hapetraky ao amin'gny tragno fitahirizan'gny oazaka koa so hamonoa reo Jiosy. 8Nomeny anazy koa gny dika mitovy tamin'gny lalagna ze naboaky tagny Sosana gny amin'gny fagnapoteha gny Jiosy. Nahiny zeho so ahafahan'i Hataka mapiseho anizeho amin'i Estera, vo bo hagnamezany anazy gny andrekisy amin'gny fandehana agny amin'gny pazaka so hitalaho gny fankasitrahany, vo hitalaho aminazy amin'gny agnaran'gny vahoakiny.9Koa dra nandeha i Hataka dra nizaka tamin'i Estera ze nizakan'i Mordeksy. 10Bokeo Estera niresaky tamin'i HAtaka dra nizaka taminzay so hihery agny amin'i Mordekay. 11Ho izy ho: "Fatas'ireo panopon'gny pazaka aby vo gny vahoakin'ireo pazaka agny amin'gny farisy fa no misy lelahy na apela magnagny amin'gny pazaka ao agnatin'gny kianza fe sy napitokavy, dra misy lalagna raiky avo: dra gny hamonoa anzay ho faty--- ankoas'ize tondroin'gny pazaka amin'gny tehim-bolamena so afahany ho velo. Sy nitokavy hagnagny amin'gny pazaka zaho ze telopolo andro zay." 12Noho zeho dra nitaterin'i Hataka tamin'i Mordekay reo zakan'i Estera.13Nandefa zeho hafasy reho i Mordekay ho: "Sy tokonu hieriserisy hanao fa ao amin'gny lapan'gny pazaka, gny afahaniha mihoasy noho reo Jiosy hafa aby. 14No misigny hanao amin'izehho fotoa zeho, dra hisy fagnafaha vo famonze hiseho amin'ireo Jiosy agny amin'gny toera hafa, fa hanao vo gny tragnon'gny raniha koa ho ripaky. Ia gny mahay no ho amin'gny fotoa manahaky anizeho gny nahavianiha ho amin'gny toera maha-pazaka?"15Bokeo Estera nandefa zeho hafasy zeho tamin'i Mordekay ho: 16"Mandehana avorio hindray gny Jiosy aby ze mitoboky agny Sosana, dra mifadia hany ho anahy. Ka mino na mihina mandrisy gny telo andro, hariva vo andro. Zaho vo reo ankizivaviko avo koa dra hifady hany manahaky anizeho. Bokeo zaho handeha agny amin'gny pazaka, ndre dra mandika lalagna aza zeho, vo no maty zaho, dra maty." 17Lasa Mordekay dra nanao araky ze iaby nizakan'i Estera anazy bo hahy.
Chapter 5

1Afaky telo andro, nanovan'i Estera gny akazo fiandrianany dra nandeha nisanga tao agnatin'gny kianzan'gny lapan'gny pazaka, teo agnoloan'gny tragnon'gny pazaka izy. Gny pazaka nitoboky teo amin'gny seza fiandrianany tao amin'gny tragnon'gny pazaka, mifagnatriky amin'gny filiran'gny tragno. 2Nofa nahita an'i estera pazaka nisanga teo an-kianza gny pazaka, dra nahazo fankatoava teo amasony izy. Notondrony tamin'gny tehim-bolamena tegny an-tagnany izy. Ka dra nagnato i Estera dra nanendry gny tendron'gny tehim-panzaka.3Bokeo nizaka taminazy gny pazaka ho: "Ino gny ilaniha, ry Estera pazaka? Ino gny fangatahaniha? Ndre dra mihoasy gny ansasaky gny fanzakako aza, dra home aniha zeho." 4Ho Estera ho: "No sitraky gny pazaka zeho, dra aoky gny pazaka vo Hamana ho avy amin'gny fanasa ze nomaniko ho anazy androany."5ra nizaka gny pazaka ho: "Andeso malaky Hamana, so hanao ze nizakan'i Estera." Ka dra nagnagny amin'gny fanasa ze nomanin'i Estera gny pazaka vo Hamana. 6Nofa naroso tao amin'gny fanasa divay, dra nizaka tamin'i Estera gny pazaka ho: "Ino gny taliaviniha? Fa home aniha zeho. Ino gny fangatahaniha? Fa ndre dre mihoasy gny ansasaky gny fanzakako aza, dra home aniha zeho."7Namaly Estera ho: "Zeho gny taliaviko vo angatahiko, 8no mahita sitraky eo amason'gny pazaka zaho sady no sitraky gny pazaka gny hagnome ze taliaviko vo hagnaza gny fagnatahako, dra aoky gny pazaka vo Hamana ho avy amin'gny fanasa ze homaniko ho andrareo hamaray sady dra hamaly gny fagnotanian'gny pazaka zaho."'9Niboaky tamin'izeho androzeho tamin'gny fo faly sady ravo i Haman. Fa nofa hitan'i Haman teo amin'gny vavahadin'gny pazaka i Mordekay, dra sy nisanga na nangitakitaky tamin-tahosy teo agnoloany i Mordekay, dra feno hahoria tamin'i Mordekay izy. 10Ndre zeho aza, dra nifehy gny vatany i Hamana dra nandeha tagny an-tragnony. Napagniraky reo namany izy dra napivory andreo, nindray tamin'i Zaresa valiny. 11Naherin'i Hamana nitanisa tamin'ereo gny famirapiratan'gny hareny, gny isan'ireo zanadahiny maro, gny fapisondrota aby ze nagnomezan'gny pazaka voninahisy anazy, vo gny fomba nandrosoany teo amin'ireo manamboninahisy vo reo panopon'gny pazaka aby.12Ho Hamana ho: "Estera pazaka dra sy nanasa olo laha-sy zaho ho avy mindray amin'ireo pazaka amin'gny fanasa nomagniny. Ndre dra hamaray koa aza dra nasainy hindray amin'ireo pazaka ndraiky zaho. 13Fe zeho iaby zeho dra magneva ndre ino ndre ino ho anahy no bo mahita an'i Mordekay gny Jiosy mitoboky eo am-bavahadin'gny pazaka zaho."14Dra nizaka tamin'i Hamana vo reonamany aby Zaresa valiny ho: "Aoky ereo hanao hazo fagnatogna dimapolo hakihi gny haabony. Amin'gny maraindray dra miresaha amin'gny pazaka so hagnatognan'ereo an'i Mordekay eo amin'izeho. Vo dra mandeha am-pifalia mindray amin'gny pazaka agny amin'gny fanasa." Sitrak'i Hamana zeho dra nagnamboasy an'ireo hazo fagnatogna izy.
Chapter 6

1Sy nahita tory gny pazaka tamin'igny hariva igny. Nandily gny panopo izy so handay gny boky fitahiriza tatara tamin'gny fotoa nitondrany, dra nivakia fatrasy tamin'gny pazaka zeho. 2Voarakisy tao fa niresaky mahakasik'i Bigtana vo Taresy i Mordekay, ro tamin'ireo manamboninahisy gny pazaka ze niamby gny vatrangara filira, zay nikasa gny hanao rasy gny pazaka Ahasoerosy. 3Dra nagnotany gny pazaka ho: "Ino ra gny fa nahy so nagnomeza voninahisy na nankatoava an'i Mordekay tamin'gny nanaovany anizeho?" Vo reo zativi lahin'gny pazaka ze nanopo anazy nizaka ho: "Sy nisy nahy taminazy."4Ho gny pazaka ho: "Ia gny ao an-kianza ao? Sendra avy teo an-kianza ivelan'gny tragnon'gny pazaka i Hamana bo hizaka aminazy gny amin'gny hagnatognany an'i Mordekay eo amin'gny hazo fagnatogna ze fa nasangany ho anazy. 5Nizaka taminazy reo panopon'gny pazaka ho: "Hamana gny mizoro eo an-kianza." Dra ho gny pazaka ho: "Engao izy hilisy." 6Nofa nilisy Hamana dra ho gny pazaka taminazy ho: " Ino gny tokony ahy amin'gny lelahy ze tian'gny pazaka homem-boninahisy?' Dra ho Hamana nizaka am-po ho: "Ia se gny homen'gny pazaka voninahisy ankoasy anahy?"7Ho Hamana tamin'gny pazaka ho: "Ho an'gny lelahy ze tian'gny pazaka omem-boninahisy, 8aoky ho andesy gny akazo lava fiandriana, akazo ze fa fagnisian'gny pazaka, vo gny sovaly ze fa nitikiran'gny pazaka, vo amin'gny lohany eo gny satro-boninahisy. 9Vo aoky gny akzo vo gny sovaly ho gny raiky amin'ireo manamboninahisy magneva haza loasy. Aoky ereo hapiazako gny lelahy tian'gny pazaka homem-boninahisy, vo aoky ereo hitariky anazy hitety gny lalan'gny tana amin'gny sovaly. Dra aoky ereo hagnambara ho: 'Zeho gny nahy tamin'gny lelahy tian'gny pazaka homem-boninahisy!"'10Dra ho gny pazaka tamin'i Hamana ho: "Malaky alao gny akazo vo gny sovaly, araky ze fa nizakaniha, dra ahivo ho an'i Mordekay gny Jiosy ze mitoboky eo am-bavahadin'gny pazaka zeho. Ka misy ahy lasaky reo ze nizakaniha." 11Vo Hamana nangala gny akazo vo gny sovaly. Dra napiakazony i Mordekay dra nandesiny nitety gny lalan'gny tanan'aby tamin'gny sovaly izy. Nagnambara teo agnoloany izy ho: "Zeho gny nahy tamin'gny lelahy ze tian'gny pazaka homem-boninahisy!"12Nihery teo am-bavahadin'gny pazaka i Mordekay, fa Hamana koa napalaky gny sovaliny ho agny an-tragnony, nalahelo, nisafosy loha. 13Nitataran'i Hamana tamin'i Zaresy valiny vo reo sakezany aby gny raha aby nihatra taminazy. Vo gny olon-kendry aby vo Zaresy nizaka tamiazy ho: "No Mordekay, ze nanomboky nandavo aniha teo agnatrehany, gny Jiosy, dra sy hahatrasy anazy mihisy hanao, fa dra ho lavo eo agnatrehany vatany hanao." 14No bo niresaky taminazy ereo, dra avy reo manamboninahisy gny pazaka. Dra nanday malaky an'i Hamana tagny amin'gny fanasa ze fa nomagnin'i Estera ereo.
Chapter 7

1Ka dra nandeha nanao firavoravoa nidray tamin'i Estera Pazaka gny pazaka vo Hamana. 2Tamin'iho andro faharo iho, dra ho gny pazaka tamin'i Estera ho: "Ino gny fagnirianiha, ry Estera Pazaka? Ho taterahy aminiha zeho. Ino gny fangatahaniha? Hatramin'gny ansasaky gny fanzaka, dra ho taterahy zeho."3Dra namaly Estera Pazaka ho: "No nahita fitia teo amasoniha zaho, ry pazaka, sady no ankasitrahaniha, dra aoky home anahy gny aiko--- zeho gny fagniriako, dra mangataky anizeho ho an'gny vahoakiko avo koa zaho. 4Fa navily zahay, zaho vo gny vahoakiko, so ho potehy, ho vono, vo ho ripahy. No navily ho amin'gny fagnandevoza avo ra zahay, bo ho andevo lahy vo apela, dra ho nisigny zaho, akory y ho nisy fahoria manahaky anizao afaky hagnamary gny fitakoseha gny pazaka." 5Dra ho i Ahasoerosy Pazaka tamin'i Estera pazakavaviny ho: "Ia zeho?" Eza gny hahita gny olo nanesisesiky gny fony hanao raha manahaky anizeho?"6Ho Estera ho: "Gny lelahy rafy, zeho fahavalo zeho, dra gny Hamana rasy igny!" Dra nihorohoro teo agnatrehan'gny pazaka lahy vo gny pazaka vavy i Hamana. 7Nisanga tamin-kahoria boaky teo amin'gny finoman-divay tao amin'gny fanasa gny pazaka dra nandeha tao amin'gny zaridain'gny lapa, fe nizano so hitalaho gny amin'gny ainy tamin'i Estera Pazaka i Hamana. Sizony fa nisy loza tapaky gny pazaka ho anazy.8Dra nihery boaky tagny an-zaridain'gny lapa gny pazaka dra nilisy tao amin'gny efitragno ze nandrosoa gny divay. Teo dra nilavo teo amin'gny seza lava nisy an'i Estera i Hamana. Ho gny pazaka ho: "Hizera gny pazaka vavy eo agnatrehakko ato amin'gny tragnoko mihisy se izy?" Vantany vo niboaky boaky tao am-bavan'gny pazaka zeho fehezanteny zeho, dra nisaforan'ireo panopo gny tarehin'i Hamana.9Bokeo dra nizaka Harbona, raiky tamin'ireo tandapa nanopo gny pazaka ho: "Misy hazo fagnantogna dimapolo hakiho miory eo agnilan'gny tragnon'i Hamana. Naory ho an'i Mordekay iho, gny raiky ze nizaka fatrasy bo hiaro gny pazaka." Dra ho gny pazaka ho: " Ahantony eo amin'izeho izy." 10Ka dra nahanton'ereo teo amin'gny hazo fahnantogna ze nomaniny ho an'i Mordekay i Hamana. Bokeo dra lefy gny hahorian'gny pazaka.
Chapter 8

1Tamin'izeho andro zeho dra nomen'i Ahasoerosy Pazaka an'i Estera Pazaka vavy gny fanagnan'i Hamana, gny fahavalon'gny Jiosy, vo Mordekay nanomboky nanopo teo agnatrehan'gny pazaka, fa nizakan'i Estera tamin'gny pazaka gny fomba nifandraisan'i Mordekay taminazy. 2Nalan'gny pazaka gny perasy tombo-kaseny, ze nalany ndraiky tamin'gny Hamana, vo natolony an'i Mordekay zeho. Nanendry an'i Mordekay ho piandraikisy gny fanagnan'i Hamana i Estera.3Dra niresky tamin'gny pazaka ndraiky i Estera. Niankohoky tamin'gny tany izy dra nitomagny no nengavy taminazy gny bo hagnafoagna gny hevi-drasin'i Hamana gny Agagita, amin'gny tetiky ze niheveriny hagnohera reo Jiosy. 4Dra nanondro an'i Estera tamin'gny tehy volamena gny pazaka, dra niary izy dra nizoro nagnoloa gny pazaka.5Ho isy ho: "No sitraky gny pazaka, sady no nahita fitia teo amasoniha zaho, no mary eo agnatrehan'gny pazaka zeho, sady mahita sitraky eo amasoiha zaho, dra aoky ho sorata gny lily so hagnafoa reo taratasy nisoratan'i Hamana zanak'i Hamedata Agagita, reo taratasy ze nisoratany bo hamono reo Jiosy ze agny amin'ireo faritanin'gny pazaka aby. 6Fa hahiko akory gny fagnety gny loza miantraiky amin'gny vahoakiko? Hahiko akory gny haharisy hagnety gny fandripaha reo havako?"7Nizaka tamin'i Estera pazaka vo tamin'i Mordekay gny Jiosy i Ahasoerosy pazaka ho: "Ingo, fa nomeko an'i Estera gny tragnon'i Hamana, sady nahanton'ereo tamin'gny hazo fagnantogna izy, akory nandeha nanafiky reo Jiosy. 8Manorata lily hafa amin'gny agnaran'gny pazaka ho an'ireo Jiosy dra tomboy amin'gny perasy gny pazaka zeho. Fa gny lily ze fa voasorasy tamin'gny agnaran'gny pazaka sady voatomboky tamin'gny perasy gny pazaka dra sy afaky foagna."9Dra voatoka reo panora-dalagnan'gny pazaka tamin'izeho fotoa zeho, tamin'gny vola fahatelo, ze volan'gny Sivana, tamin'gny andro fahatelo amby ro-polon'gny vola. Gny lily voasorasy dra mirakitry ze iaby nandilian'i Mordekay mahakasiky reo Jiosy. Zeho dra nisorata ho an'ireo governoram-parisy, reo governora vo manam-boninahisy gny farisy ze hatreo India dra hatragny Etiopia, faritany 127, ho an'gny isam-paritany nisora araky gny fizakany aby, vo ho an'ireo Jiosy amin'gny sorasy vo fizakan'ereo.10Nanorasy tamin'gny agnaran'i Ahasoerosy Pazaka i Mordekay dra nanomboky anizeho tamin'gny perasy fitomboan-kasen'gny pazaka. Gny taratasy dra nalefany tamin'gny alalan'gny iraky mitikisy sovaly malaky fandehana ze napesany ho amin'gny fanopoa gny pazaka, nala tao amin'gny tragnon-sovalin'gny pazaka. 11Nagnome fahefa reo Jiosy isaky gny tana gny pazaka so hiaraky hivory vo hialy so hiarova gny ain'ereo: bo handripaha, bo hamonoa, sady bo hamoteha ze herim-pialia boaky amin'ireo vahoaky na faritany ze mety hanafiky andreo, ao agnatin'izeho reo zaza amin'apela, na handroba gny fanagnan'ereo.12 Tokony niantraky tamin'ireo faritanin'i Ahasoerosy Pazaka aby zeho, amin'gny andro fahatelo ambin'gny folo amin'gny vola faha-ro ambin'gny folo, zay volan'i Adara.13Gny dika mitovy tamin'gny lily dra tokony naboaky ho lalagna vo naseho am-pahibemaso ho an'ireo vahoaky aby. Reo Jiosy dra tokony ho vonogny hamaly faty reo fahavalon'ereo. 14Dra nitikisy gny sovalin'gny pazaka ze napesay ho amin'gny famopoa gny pazaka reo iraky. Nandeha sy nisy hatak'andro ereo. Naboaky boaky tao amin'gny lapa tagny Sosana avo koa gny lilin'gny pazaka.15Vo Mordekay niala teo agnatrehan'gny pazaka nanao akazo fiandriana manga vo fosy, vo satro-boninahisy volamena lahibe vo akazo lava rongony fosy madiniku volom-parasy, ka dra nihiaky vo nifaly gny tanan'i Sosana. 16Nisy hazava vo haravoa, vo hafalia vo voninahisy teo amin'ireo Jiosy. 17Tagny amin'gny faritany kiraikiraiky vo tagny amin'gny tana kiraikiraiky, ndre teza ndre teza nahavian'gny lilin'gny pazaka, dra nisy hafalia vo haravoa tamin'ireo Jiosy, fanasa vo andro fifalia. Maro tamin'ireo karazan'olo tamin'gny tany gny nazary Jiosy, akory nilasaky teo amin'ereo gny tahosin'ireo Jiosy.
Chapter 9

1Dra tamin'gny faha-ro ambin'gny folon'gny vola, ze volan'i Adara, tamin'gny andro faha-telo ambin'gny folo, nofa mby hagnatateraky gny lalagna vo lilin'gny pazaka, tamin'gny andro ze nanantenain'ireo fahavalon'gny Jiosy hahazoany fahefa amin'ereo, dra nasimbaliky zeho. Gny Jiosy gny nanam-pahefa tamin'ireo ze nalay andreo. 2Dra nivory tao an-tanay reo Jiosy nanera reo faritany abin'i Ahasoerosy pazaka, so hanzera reo ze nikasa hapidi-doza andreo. Dra sy afaky nizoro hanohisy andreo, akory fa nilasaky tamin'ireo vahoaky aby gny tahosy andreo.3Reo panapaky gny faritany aby, governoram-paritany, reo governora, vo gny panao raharahan'gny pazak, dra nagnapy gny Jiody akory fa nilasaky teo amin'ereo gny tahosy an'i Mordekay. 4Fa lahibe i Mordekay tao an-tragnon'gny pazaka, sady niely nanera gny faritany aby gny lazany, fa nizary lahibe gny lelahy Mordekay. 5Dra namely reo fahavalony tamin'gny mesa gny Jiosy, namono vo nandripaky andreo, sady nanao arak'ize sitrak'ereo tamin'ireo ze nalaigny anazy.6Nahafaty vo naharipaky olo dimanzati ereo tao amin'gny ferova fatrasin'i Sosana. 7Novon'ereo i Parsandata, Dalfona, Aspata, 8Porata, Adalia, 9Parmasta, Arisay, Ariday, Vaizata 10vo reo zanadahy folon'i Hamana zanak'i Hamedota, fny fahavalon'gny Jiosy. Fe sy nandroba fananga ereo.11Androtr'izay avo dra nitatery tagny amin'gny pazaka, gnyisan'ereo ze maty tagny amin'gny ferova fatrasin'i Sosana. 12Dra ho gny pazaka tamin'i estera pazaka vavy ho: "Nahafaty olo dimanzato tao fatrasin'i Sosana gny Jioasy, agnisan'izeho reo zanandahin'i Hamana folo. Dra ino zeha gny nahin'ereo tamin'ireo faritani'gny pazaka sisa? Dra amizao ino gny ilaniha? Home aniha zeho. Ino gny fangatahaniha? Home aniha zeho."13Dra ho Estera ho: "No sitraky gny pazaka, dra aoky gny Jiosy ze agna Sosana hahazo alala hagnatateraky tihy lily tiky koa hamaray, dra aoky reo fatin'gny zanak'i Hamana folo lahy hahanto amin'gny hazo fagnantogna." 14Dra nandily bo hagnatateraky anizeho gny pazka. Gny lily dra niboaky boaky tao Sosana, dra nahanton'ereo gny zanak'i Hamana folo lahy.15Dra nivondro reo Jiosy aby tao Sosana tamin'gny andro faha-efasy ambin-gny folon'gny vola Adara, dra nahafaty olo telonzato fagnapiny tao Sosana, fe sy nandroba fanagna. 16Reo Jiosy sisa ze tagny amin'ireo faritanin'gny pazaka koa dra nindray so hiaro gny ain'ereo, dra afaky tamin'ireo fahavalony ereo sady nahafaty dimy arivo sy fito aly tamin'ireo ze nakahala anazy. Fe sy bo nikasi-tagna gny harenan'ireo ze nobony koa ereo.17Tamin'gny fahatelo ambin'gny folon'gny vola Adara gny nitrangan'izeho. Tamin'gny andro fahaefasy ambin'gny folo koa dra nizano ereo dra nanao anizeho ho andro fanasa vo firavoravoa.18 Fe reo Jiosy ze tagny Sosana nindray nivory tamin'gny andro faha telo ambin'gny folo vo gny faha-efasy ambin'gny folo. Tamin'gny andro fahadimy ambin'gny folo koa dra nizano ereo dra nahiny andro fanasa vo firavoravoazeho. 19Zeho gny mahavy reo Jiosy ao amin'ireo zana-bohisy, ze nagnory gny fasangen'ereo tagny ambanivohisy, mitandry gny andro faha-efasy ambin'gny folon'gny vola Adara ho andro firavoravoa vo fanasa, dra andro ze hifanoloan'ereo fagnomeza ara-sakafo.20Dra niraketin'i Mordekay an-sorasy zeho iaby zeho dra nandefa taratasy ho an'gny Jiosy aby ze tagny amin'gny faritany iabin'i Ahasoerosy pazaka izy, na lavisy na mariny, 21handilia andreo hitandry gny andro fahaefasy amibin'gny folo vo faha dimy ambin'gny folon'gny vola Adara isan-tao. 22Reo gny andro nafahan'gny Jiosy tamin'ireo fahavalony, vo vola ze nivalian'gny alahelon'ereo ho fifalia, vo fandala ho andro firavoravoa. Nahin'ereo andro fanasa vo firavoravoa zeho, vo fifagnomeza ara-sakafo, vo fagnomeza ho an'gny mahantra.23a nitohizan'gny Jiosy gny fakalaza ze fa natombok'ereo, anaova arak'ize nosoratan'i Mordekay. 24Tamin'izeho fotoa zeho i Hamana zanadahin'i Hamedoda gny Agagita, gny fahavalon'gny Jiosy aby, dra nanao teti-drasy hanohisy gny Jiosy so handripaky andreo, dra nanoraky gny pora izy (na ho, nanao filoka izy), so handrava vo handripaha andreo.25 Fe nofa avy teo agnatrehan'gny pazaka gny toe-drahraha, dra namoaky lily an-taratasy izy fa gny teti-drasy ze nivolavolain'i Hamana hanohera gny Jiosy dra tokny hahery ho eo an-dohany, dra tokony hahanto amin'gny hazo izy mbamin'ireo zanadahiny.26Dra nitokavin'ereo ho Porima reo andro reo, boaky amin'gny agnara ho Pora. Noho ze iaby voasorasy tagnatin'izeho taratasy zeho, vo ze iaby hitan'ereo vo ze nahazo andreo, 27dra neken'gny Jiosy gny fomba amam-panao vaovao raiky vo andrekisy. Zeho fomba zehi dra ho andreo, ho an'ireo taranany. vo ze iaby mindray amin'ereo. Zeho dra mbo hakalazan'ereo zeho andro ro zeho isan-tao. Hakalaza zeho amin'gny fomba manoka amin'gny fotoa mitovy isan-tao ereo. 28Ireo andro reo dra ho hakalaza sady ho tandrema isaky gny taranaky mifandimby, isam-pianakavia, isam-parisy, dra isan-tana. Reo Jiosy reo vo gny taranany dra sy hizano gny hitandry am-pahatokia reo andron'gny Porima reo, so sy halignon'ereo zeho mihisy.29Estera pazaka vavy zanaky apelan'i Abihaila vo i Mordekay gny Jiosy dra nanorasy tamim-pahefa feno dra nagnafatrasy tiky taratasy faharo mahakasin'i Porima tiky.30Taratasy gny nalefa tamin'gny Jiosy aby tany amin'ireo faritanin'gny fanzakan'i Ahasoerosy 127, niraria fandriam-pahalema vo fahamarigna reo Jiosy. 31Reo taratasy reo dra nagnafatrasy reo andron'i Porima amin'ireo fotoa ze nanendre anizeho, arak'ize nandilian'i Mordekay gny Jiosy vo i Estera pazaka vavy an'ireo Jiosy. Dra neken'ireo Jiosy ho an'gny vatany zeho adidy zeho vo ho an'ireo taranak'ereo, manahak'ize fa nagneken'ereo gny fotoan'gny fifadian-kany vo gny fitomagnia koa. 32Nagnafatrasy reo fisipiky mahakasik'i Porima reo gny lilin'i Estera, dra voasorasy tao agnatin'gny boky zeho.
Chapter 10

1Bokeo Ahasoerosy pazaka napandoa hetra tamin'gny tany vo tamin'gny moron-siraky gny ranomasy. 2Gny raha vitany aby nohon'gny heriny vo gny fahefany, nindray tamin'gny fitatara gny fahalabiazan'i Mordekay ze nanadratan'gny pazaka anazy, dra voasorasy ao amin'gny bokin'gny tataran'gny pazakan'i Media vo Persia zeho.3Mordekay gny Jiosy gny pazaka faharo tafaran'i Ahasoerosy pazaka. Lahibe teo amin'ireo Jiosy izy dra nalaza teo amin'ireo rahalahin'gny Jiosy maro, akory nitalia gny hagnapia gny vahoakiny izy dra nanogno fiadagna tamin'gny vahoakiny aby.

Job

Chapter 1

1Nisy lelahy raiku tao amin'gny tanin'i Oza dra Joba gny agnarany; vo i Joba dra sy misy signy sady mahisy, zay natahosy an'Agnahary sady nifaly gny rasy.2Izy dra nanan-zanaky lahy vo apela telo.3Izy dra nana agnondry fito arivo, rameva telo arivo, agnomby lahy vo vavy dimanzato, vo boriky dimanzato vo panopo maro be. Izy gny lelahy lahibe vatany tamin'ireo olo Tasignana aby.4Isaky gny andro voatendry ho an'gny zanadahiny, dra nanao firavoravoa tao an-pantsangeny izy. Ereo dra nagniraky ka nitoka reo anabaviny telo mbo hindray hihina vo hino amin'ereo.5No fa nifara gny firavoravoa, dra napitoka vo nagnamasy andreo i Joba. Nifoha marandraim-be izy dra nanao fagnatisy oroa ho an'ireo zanay kirairaiky aby, fa ho izy ho: " Mety fa nagnota na nagnozo an'Agnahary tam-pony tagny reo zanako." Nanao anizay avo i Joba.6Vo tamin 'izay andro zay dra avy niseho yeo agnatrehan'i Yaveh reo zanakAgnahary. DRa avy nindray tamin'ereo koa i Satana.7Ho Yaveh tamin'i Satana ho: " Boak'eza gny niavianiha?" Vo Satana namaly an'i Yaveh dra nanao ho: "Boaky niregniregny tegny ambonin-tany, nirerirery teo aminazy."8Ho Yaveh tamin'i Satana ho: "Fa nandiniky an'i Joba panopoko se hanao? Akory sy misy manahaky anazy eto ambonin'gny tany, lelahy sy misy siny sady mahisy, zay matahosy an'Agnahary sady mifaly gny rasy."9Boakeo Satana namaly an'i Yaveh dra nanao ho: " Matahosy an'Anahary amin'gny sy misy antony se i Joba?10Sy nasianao fefy se magnodidy anazy, magnodidy gny fasangeny, vo magnodidy ze anazy aby? Fa notahinao reo asan'gny tagnany, vo nitombo reo biby fitezany eto amin'gny tany.11Fa amizao ahinziro gny tagnaniha dra sapao ze iaby anagnany, dra atio no sy magnoso aniha eo amin'gny tarehinao izy.12Ho Yaveh tamin'i Satana ho: " Ingo, eo am-pelatagnaniha ze iaby hanagnany. Fa izy vatany avo gny ka kitikitihy gny tagnaniha." Dra niala teo agnatrehan'i Yaveh i Satana.13Dra ndraiky andro, nihina vo nino divay tagny am-pasangen'gny laihmatoany reo zanany lelahy vo apela.14Nisy panday hafasy raiky nagnato an'i Joba dra nizaka ho:" Niasa tany reo agnomby vo reo boriky dra nihina teo agnilan'ireo.15Nanafiky andreo reo Sabeana dra nisambosy andreo. No gny amin'ireo panopo, dra nizeran'ereo tamin'gny lelan'amesa. Zao reriky gny taffilefa mbo hapandre aniha.16No mbo nizaka igny izy, dra nisy raiky hafa koa avy dra nizaka ho: "NIlasaky boaky tagny an-danisy gny afon'Agnahary dra nagnoro reo agnondry vo reo panopo. Zaho reriky gny tafisoaky mbo hampandre aniha."17No mbo nizaka igny izy, dra nizy raiky hafa koa avy dra nizaka ho: " Nizara vondro telo reo Kaldeana ka nanafiky reo rameva, dra nisambosy reo. No gny amin'ireo panopo, dra nizeran'ereo tamin'gny lelan'amesa. Zaho raiky gny tafasoaky mbo hampandre aniha.18No mbo nizaka igny izy, dra nizy raiky hafa koa avy dra nizaka ho: " Reo zananiha lelahy vo apela dra nihina vo nino divay tao am-pasangen'gny lahimatoan'ereo.19Nisy rsioky mahery avy naky tagny an'efisy nizera gny zorony efas'gny fasange. Nilasaky tamin'ireo lelahiso zay, vo dra maty ereo. Zaho raiky gny tafasoaky mbo hapandre aniha.20Dra nisanga i Joba, nandriasy gny akazony, nanarasy gny lohany, niakohoky teo amin'gny tany, dra nisiriry an'Agnahary.21Ho izy ho: " Niborida zaho no niboaky tao an-trokin'gny reniko, dra hiborida zaho no fa hihery ao. Yaveh gny nagnome, vo Yaveh gny nangala. Isora ra gny agnaran'i Yaveh."22Tamin'ireo raha niseho dra sy nanota i Joba, ndre koa niapanga an'Agnahary ho nanao gny sy mety.
Chapter 2

1Dra tamin'izay andro zay, avy nisehi teo agnatrehan'i Yaveh reo zanak'Agnahary. Avy nindray tamin'ereo hiseho teo agnatrehan'i Yaveh avo koa i Satana.2Ho Yaveh tamin'i Satana ho: " Avy boak'eza hanao?" Dra namaly an'i Yaveh i Satana dra nanao ho: " Avy nirerirery tegny an-tany, niherikery tegny."3Ho Yaveh tamin'i Satana ho: " Moa se fa nandiniky an'i Joba panopoko Hanao? Akory sy misy ndre raiky aza eto an-tany ka mitovy aminazy, lelahy sy misy siny sady mary, matahosy an'Agnahary sady mifaly gny rasy. Mbo mita gny fahisiany hatragny izy, ndre dra fa napivio lala Anahy hanohisy anazy aza hanao, mbo hamotiku anazy sy amin'gny antony."4Satana namaly an'i Yaveh ka nano ho: " Holisy takalon'gny holisy; eka vatany; gny olo dra hagnome ze iaby hanagnany ho takalon'gny ainy."5Fa ahinziro gny tagnaniha zao sady sapao gny tolany vo gny fony, dra atio no sy hagnozo aniha eo amin'gny atrehiniha izy."6Ho Yaveh tamin'i Satana ho: " Ingo, eo am-pelatagnaniha izy; gny ainy avo gny aoky harovaniha."7Dra lasa Satana niala teo amin'gny fagnatrehan'i Yaveh. Nazera vay rasy an'i Joba hatregny am-paladia ka hatregny an-tamppon-doha izy.8 Nangalaky valim-bilany vita tamin'gny tanimanga i Joba hihaosaorany gny vatany, dra nitoboky teo agnivon'gny lavenoky izy.9Dra ho gny valiny ho: " Mbo mita gny fahisiniha avo se hanao? Ozogny Zagnahary dra matesa."10Fa ho izy taminazy ho: " Miresaky manahaky gny firesaky gny apela mola hanao. GNy soa avo se gny tokony ho rambesisika boakamin'Agnahary ka sy ho rambesy gny rasy?" Noho zay iaby zay, dra sy nagnota tamin'gny sognony i Joba.11Dra no fa nahare gny rasy iaby nahazo anazy reo naman'i Joba telo, dra samby avy boakagny amin'gny toerany aby ereo: Elifaza gny Temanita, Bildada gny Sohita, vo Zofara gny Namatita. Nanoka fotoa ereo mbo hiara oru aminzay vo hapahereza anazy.12No fa nitalaky boak'egny lavisy ero, dra sy nahafatasy anazy. Nanandrasy gny feony ereo dra nitomagny; samby nandrota gny akazony sady namfy botany tegny amin'gny rivosy vo teo amin'gny lohany avo gny kiraikiraiky.13Boakeo dra nitoboky tamin'gny tany nindray taminazy ero nandrisy gny fito andro vo fito haly. Sy nisy niresaky taminazy ereo, akory hitan'ero fa tena lahibe vatany gny alahelony.
Chapter 3

1Tafaran'izay, nanokasy gny vavany i Joba dra nagnozo gny andro nahaterahany.2Ho izy ho:3" Ho foa ra gny andro gny nahaterahako, gny haly zay nanao ho: " Misy zaza lelahy vo torontorony."4Ho mezy ra zay andro zay; sy ho saroan'Agnahary boak'agny ambony ra zay, na hamirapirasy amin'izay gny masoandro.5Gny ezy vo gny aloky gny fahafatesa ra hizaka anizay ho andreo manoka. Hitoboky eo amin'zeho ra gny raho; gny raha aby ze nahavy gny andro ho mainty ra hapihorohoro anizay vatany.6Gny amin'izeho hariva zeho, hisambosy anizay ra gny ezim-pito. Sy hifaly eo amin'gny andron'gny tao ra zay; sy ho avy amin'gny isan'gny vola ra zay.7Ingo, ho momba ra zeho hariva zeho; sy hisy feom-pifalia ra ho avy ao amy zaho.8Hagnozo zeho andro zeho ra ereo, ereo ze mahay gny fomba hamohaza gny Leviatana.9Ho mezy ra gny vasian'gny andro vo mazava-rasin'izeho. HItalia fahazava ra zeho andro zeho, fe sy hahita; na hahita reo holi-mason'gny vo mazava-rasy,10akory sy nagnily gny vatrangaran'gny trokin'gny reniko zeho, sady akory sy nagnavony reo fahoria sy ho eo amasoko zeho.11Nagnino se zaho gny sy maty no fa niboaky boaky tao an-troky? Nagnino zaho gny sy nagnenga gny fagnahiko no niteraky anahy gny reniko?12Nagnino gny nisena anahy reo pokopokony? Nagnino gny nandramby anahy reo nonony mbo hahafahako mitritriky?13Fa sahala anizay zaho fa nandry am-pilamigna. Natory zaho sady nizano14nindray tamin'ireo pazaka vo reo panolon-sain'gny tany, zay nagnory reo lolo ho an'gny vatan'ereo ze fa rava androany.15Na fa nimaty nindray tamin'ireo andriandahy zay nan volamena fahizay zaho, zay nameno reo fasangeny tamin'gny volafosy.16Na mety ho teraky sy avy vola zaho, sahala reo zaza zay sy mbo nahita gny hazava vatany.17Agny gny mizano amin'gny fahoria gny rasy fagnahy; agny gny mizano gny rokaky.18agny reo voagadra dra hindray hitony; sy mahare gny feon'gny papiasa ereo.19Samby agny gny olo keliky vo lahibe; gny panopoko dra afaky amin'gny tompony agny.20Nagnino gny fahazava gny ome anazy zay ao agnatin'gny fahoria? Nagnino gny fiegna gny ome an'ize mafaizy fagnahy,21ho an'igny raiky ze miamby fatrasy gny fahafatesazay sy ho avy; ho an'gny raiky ze mihaly fahafatesa mihoasy noho gny harena mivony?22Nagnino gny fahazava gny ome ho an'gny raiky zay feno hafalia vo ravoravo aby no fa hitany gny lolo?23Nagnino gny fahazava gny ome an'gny olo raiky zay mivony gny lalany, olo raiky say voafehin'Agnahary tao?24Fa gny foainko dra miseho mno tokony hihina; miraraky manahaky gny rano gny fitaregnako.25Fa gny raha zay natahorako dra gny teo aminahy; zay napatahosy anahy dra avy aminahy.26Sy milamy zaho, sy miegny zaho, sady sy mana fizanogna zaho; gny fahoria ndraiky gny avy."
Chapter 4

1Dra namaly i Elifaza gny Temanita dra nano ho:2" No misy olo magnandra mizaka aminniha, dra sy haharisy se anao? Fe ia gny afaky handrara gny vatany sy hizaka?3Ingo, maro reo fa napenariniha; fa napatazaky gny tagna malemy hanao.4Nita ze nilavo gny zakaniha; fa nifatrariniha gny malemy pokopoko.5Akory zao avy aminiha gny fahoria, dra ketraky hanao; mikasiky aniha zay, dra ory hanao.6Moa sy gny fahatahoraniha gny tokiniha, vo gny fahisian'gny lalaniha gny fagnatenaniha?7Mbo saigno se zao: ia gny fa ripaky sy nanan-signy? Na ombia gny olo-mary gny nipotehy?8Araky ze fa hitako, reo ze mamboly hahoria vo mamafy ola gny mizanza anizay.9Amin'gny alalan'gny fofon'ain'Agnahary gny haharipaky andreo; amin'gny fipoahan'gny hahoriany gny hahalevo andreo.10Gny fieron'gny liona, gny feon'gny liona masiaky, reo nifin'gny liona tanora---potiky reo.11Ripaky gny liona antisy nohon'gny sy fahapian''ireo haza, reo zanaky gny liona vavy dra miparitaky egny iaby egny.12Nisy raharaha nandesy mangingiky teto aminahy, dra nahare bisiky manhakasiky anizay gny sofiko.13DRa nisy eriserisy aby boaky tamin'gny fahita amin'gny hariva, nofa tafalasaky tamin'gny olo gny torimaso lalaiky.14Tagnaty hariva gny nahavian'gny tahosu vo horohoro taminahy, vo nangitakitaky gny tolako aby.15Dra nisy fagnahy nandalo teo agnoloan'gny tarehiko, vo nisanga gny volo tamin'gny vatako.16Nizano gny fagnahy, fe sy nety vafarisiko gny tarehiny. Tarehy raiky gny teo agnoloan'gny masoko; nisy fangikia, vo nahare feo zaho nanao ho:17" Afaky gny ho mary be noho Zagnahary ra gny olo mety maty? Afaky gny ho malio noho gny Mpamoro anazy ra gny olo raiky?18Ingo, no sy mametraky fitokisa amin'ireo panopony Zagnahary; no niapanga reo anzaliny nohon'gny fahamola Izy,19hatreza gny fahamarignan'ireo ze mitoboky agnaty fasange vita amin'gny tanimanga, zay ao amin'gny botany gny fotosy ioregnany, zay potiky mialohan'gny kalalao?20Potehy eo agnelagnelan'gny maraindray vo hariva ero; reoaky mandrakizay sy misy mahasikarisy aby ereo.21Sy voongosy tamin'ereo ra gny talin-dain'ereo? Maty ereo; maty sy misy fahendre ereo.
Chapter 5

1Mitokava fatrasy androany; hisy olo hamaly aniha ra? Ia amin'ereo masy gny hitolohanao?2Akory gny hahoria gny mamono gny olo mola; gny filaogna mamono gny hahatro.3Fa nahita olo mola nahazo vaha zaho, fa tampoky tei dra nozogniko gny tokatranony.4Gny zanany dra lavisy gny filanigna; voatorotoro ao amin'gny vavahadin'gny tana ereo. Sy misy olo hamonzy andreo.5Gny resy gny mihina gny vokas'ereo; alan'ereo amin'ireo lat'egny amin'gny fasiky vatany aza zay. Gny mangetaheta misagnasagna vava amin'gny haren'ereo.6Akory reo aly sarosy dra miboaky lat'ao amin'gny tany; ndre gny fahoria misimoky lat'amin'gny tany.7Fe koa, gny olombelo dra teraky ho an'gny fahoria, manahaky gny pitik'ao mitily miakasy.8Fa no gny aminahy, dra hitoliky amin'Agnahary zaho; Aminazy zaho gny hametraky gny aliko---9Izy ze manao rah lahibe sady sy taksy gny say, raha mahalasa sy hita isa.10Magnome ora gny tany Izy, sady mandefa rano amin'ireo saha.11Miahy zeho IZy so hametraha amin'gny abo reo ze kepaky; so hanondrota gny malahelo ho amin'gny filamigna.12Nandrava gny fikasan'ireo olo fesy Izy, so sy hamokasy gny tagnan'ereo.13Mamandriky gny olo hendry amin'gny asa an-kafesen'ereo Izy; gny tetiky gny olo rasy fagnahy dra mifara malaky.14Mihao amin'gny ezy ereo amin'gny dizera, dra misapasapa amin'gny mitatao vovona sahala gny amin'gny hariva.15Akory magnavosy gny olo mahandra sy ho amin'gny mesa gny vavan'ereo vo reo olo ory sy amin'gny tagnan'gny olo mahery.16Dra manam-pagnatena reo mahantra, dra gny sy fahamarigna napegnena gny vavany avy.17Ingo, voatahy gny olo ze hahisin'Agnahary; noho zay, ka ahy sinosino gny fatrokafan'gny Tsitoha.18Fa mandrasy Izy vo boakeo gny tagnany gny magnasitra.19Hagnavosy aniha amin'ireo fahoria eny Izy; eka vatany, amin'ireo fahoria fita, sy hisy rasy hikasiky aniha.20Amin'gny mosary gny hagnavosy aniha amin'gny fahafatesa Izy, vo amin'gny tagnan'gny mesa amin'gny aly.21Ho avony amin'gny lozan'gny zaka hanao; vo sy hatahosy gny faharava hanao nofa avy zeho.22Hihomehy gny faharava vo gny mosary hanao, sady sy hatahosy reo bibidiab'gny tany.23Akory hana fagneke amin'ireo vato ao an-sahanao hanao, vo reo bibib'gny saha dra hihava aminiha.24Ho fataniha fa voaaro gny lainiha, hagnety gny valan'agnondriniha hanao dra sy ho ory ndre ino ndre ino.25Ho fataniha avo koa fa ho lahibe gny vihiniha, fa hanahaky gny ahisy egny amin'gny tany gny zanakiniha.26Ho agny an-dolo hanao nofa visy tao, manhaky gny isan'amboaram-bary ze miakasy amin'zeho fotoa zeho.27Ingo, fa nidinidhinay zeho raharaha zeho; manhaky izao zeho; tenoy zeho, dra fataro ho an'gny vataniha."
Chapter 6

1Dra namaly Joba dra nizaka ho:2" Eh, no mbo voalanza le gny fagniriako; no mbo nahy teo amin'gny mizana aby le gny loza nahazo anahy aby!3Fa androany dra mavesasy lilasy noho gny fasi-dranomasy zeho4Fa gny zana-sipikin'gny Tsitoha dra ato aminahy, mino poizy gny fagnahiko; reo fapihorohoroan'Agnahary dra lahasy hanohisy anahy.5Magneno fatrasy ra gny ampondra-dia no mana ahisy? Ndre gny agnomby hitre nohon'gny faharesea no manam-bilo?6Sady ze sy misy ziro azo hohany no sy misy sira? Na misy sirony ra gny taposin'atoly?7Manda gny hikasiky reo zaho; manahaky gny sakafo maparikoriko anahy reo.8Eh, enga ra ka homen'Agnahary anahy gny raha ze iriko fatrasy:9so ho sitrak'Agnahary gny hanorotoro anahy ndraiky mandeha, ka haninzisy gny tagnany dra hangalaky anahy amin'itiky fiegna tiky Izy!10Aoky ho mbo fegnenako zao---ndre dra mifaly ao amin'gny fararia ze sy mihe aza zaho: fa sy nanda gny zakan'gny Raiky Masy zaho.11Ino moa gny heriko, gnombo tokony hiezaky handigny avo zaho? Ino gny hiafarako, gny tokony ho hakavako gny androko?12Herim-bato ra gny heriko? Na vita amin'gny saba ra gny nofoko?13Sy mary ra fa sy misy fagnapia sasy ao amin'gny vatako, vo zeho fahendre zeho fa nala taminahy?14Ho an'gny olo ze fa ho ketraky, gny fahatokia gny tokony hasehon'gny namany; ndre dra amin'ize nahafo gny fahatahora gny Tsitoha aza.15Fa reo rahalahiko dra nahatoky atminahy manahaky gny ranotrambo agny an'efisy, manahaky gny lakan-drano ze mandalo fosiny avo,16Ze mezy nohon'gny ranomandry ao amin'ereo, dra manahaky gny oram-panala ze magnavony gny vatany ao amin'ereo.17Sady nofa levo ereo, dra manzavo; nofa mafana, dra misoniky am-pitoboha.18Gny rodobe ze mandeha amin'gny lalany dra nivio nitania rano; mirerirery egny an-tany sy mamokasy izy regny ka dra ripaky.19Gny rodobe lat'agny Tema dra natakalaisy tegny, no nagnategna anreo gny atokon'i Sheba.20Diso fagnatena ereo nohon'gny fahatokiany fa hahita rano. Nandega tagny ereo, akory voafitaky.21Fa androany handrareo namako dra sinosino aminahy; mahita gny raha mahaory nahazo anahy handrareo ka matahosy.22Nizaka taminddrareo ra zaho ho: 'Omeo raha zaho?' Na ho: 'Hanolosy fagnomeza lat'amin'gny harendrareo zaho?'23Na ho: 'Avoto amin'gny tagnan'ereo fahavaloko zaho?' Na ho: 'Afaho amin'gny tagnan'ereo papahory anahy zaho?'24Apenaro zaho,dra ho tanako gny fahanginako; ahivo ze hahatakarako ho teza gny nahadiso anahy.25Endrey gny hararin'gny zaka mary! Akory gny fandresen-dahasindrareo, akory gny tena hagnanaran'ireo anahy?26Mikasa gny hanao sinosino gny zakako ra hanao, manao gny bzakan'gny olo mamoy fo ho sahala gny rivosy?27Eka vatany, misiriry gny zaza kamboty ra handrareo, sady mialy varosy amin'gny namandrareo sahala gny etam-barosy.28Fe androany, mbo atio se zaho, fa vatany sy mbo havandy eo agnatrehan'gnt tarehindrareo zaho.29Misahara, mitalaho amindrareo zaho; aoky sy hisy sy fahamarigna eo amindrareo; eka vatany, mizanogna, fa mary gny aliko.30Misy faharasia ra eo amin'gny lelako? Sy afaky mamatasy gny raha rasy ra gny vavako?
Chapter 7

1Sa ra gny olo sy mana asa fatrasy eto an-tany? Sa ra gny androny sy mitovy amin'gny andron'gny lelahy raiky nikarama?2Manahaky gny andevo raiky magniry fatrasy gny aloky gny hariva, manahaky gny lelahy raiky mitalia gny karamany---3ka dra nahy so hiarisy gny volan'gny fahoria zaho; fa nome hariva feno fikorontagna zaho.4Nofa mandry zaho, dra mizaka amin'gny vatako ho: 'Ombia zaho gny hifoha dra ombia gny hariva gny ho lasa?' Nivalibaliky ambony ambany zaho mandra-parain'gny andro.5Niakazo kanka vo baingan-tany gny nofoko; maiky gny fery tamin'gny holoso vo boakeo dra afaky sady nihery ndraiky.6Malakim-pandeha noho gny famahanan-tenony gny androko; mandalo sy misy fagnatena ereo.7Ry Zagnahary, sarovy fa gny fiaignako dra fofonay raiky avo; sy hahita soa sasy gny masoko.8Gny mason'Agnahary, zay mahita anahy, dra sy hahita anahy sasy; gny mason'Agnahray dra ho eo aminahy, fe sy hisy zaho.9Manahaky Gny raho levo so mihely, dra manahaky anizay koa gny zy hiakaran'izay mizoso agny amin'gny Fiainan-sy hita sasy.10Sy hihery agny am-pasangeny sasy izy; ndre gny fonenany aza sy hahalala anazy sasy.11Noho zay sy hagnakombo gny vavako zaho; fa hizaka amin'gny fangirifirian'gny fagnahiko zaho.12Moa se ranomasy zaho na biby masiaky an-dranomasy gny asinao fiambena eo aminahy?13Nofa mizaka zaho ho: 'Hapiegny anahy gny farafarako, vo gny fandriako hapizano gny fitaregnako,'14dra mapatahosy anahy amin'gny nofy vo mapihorohoro anahy amin'gny alalan'gny fahita Hanao,15so hisafidianako gny fagnakenda vo gny fahafatesa toy zay miaro taho tolako tahoky.16Halako gny fiegnako; sy magniry gny ho velo lalandava zaho; engao raiky zaho fa sy misy dikany gny androko.17Ino ra gny olo gny tokony ho hiahianiha, gny tokony ho darianiha,18gny tokony ho dinihiniha isaky maraindray vo sapainiha amin'gny fotoan'aby?19Mandra-kombia zay mialohan'gny hialaniha aminahy, mialohan'gny hanenganiha anahy raiky apy hitelomako gny ranoniviko.20Ndre dra nanota aza zaho, dra ho inoniha ra zay, Hanao zay mandiniky gny olo? Nagnino Hanao gny nikendry anahy, so ho eta-mavesasy ho aniha?21Nagnino Hanao gny sy mamela gny hadisoako sady mangalaky gny heloko? Fa androany zaho dra handry amin'gny botany; hitalia anahy fatrasy Hanao, fa sy hisy zaho."
Chapter 8

1Dra namaly Bildada Sohita dra nizaka ho: 2" Mandram-pahombia gny hizaka reo raha reo hanao? Mandra-pahombia gny zaka aboaky gny molosinao gny hazary sioky mahery?3Mamaliky gny rariny gny Zagnahary? Mamaliky gny fahamarigna se Tsitoha?4Fa nagnota taminy gny zanakao; fatasika zay, fa nomeny teo atagnan'gny fahotany ereo.5Atovo fa nitalia an'Agnahary fatrasy hanaosady napiseho gny fangatahanao tamin'gny Tsitoha.6No malio so mahisy hanao, dra azo atoky fa hiambyanao Izy sady hapihery anao eo amin'gny toeran'gny fahamarignanao.7Ka ndre dra masaiky aza gny niandohanao, dra ho lahibe vatany gny hiafaranao.8Agnotanio se reo taranaky teo aloha, dra fataro ze nianaran'gny razambenao.9( Fa sika dra vo teraky omaly vo sy mahay ndre ino ndre ino akory aloky gny androsika atany etiky).10sy hapianasy anao se ereo ka hizaka aminao? Sy hizaka reo zaka boakao am-pony se ereo?11Afaky mitombo se gny zozoro sy misy kesakesa? Afaky mitombo se gny volotara no sy misy rano?12No mbo menso vo sy voakapa ereo, dra malazo alohan'gny raha misisry hafa.13Manahaky anizay koa gny lalan'ereo aby ze magnaligno an'Anahary, ho levo gny fagnatenan'gny pagnarasy.14Hiala gny tokiny, vo gny fahatokisany dra marefo manahaky gny tragnon-kala.15Hitehy amin'gny tragnony izy, fa sy hanohana anazy zay; hifahazy anizay izy, fe sy hahatanty zay.16Eo ambanin'gny masoandro dra menso izy, vo gny sapany miboaky eo amin'gny zaridainany manotolo.17Gny fakany dra voafogno korotam-bato; mitalia toera soa eo amin'gny vato ereo.18Fa no notorotoro hiala amin'gny toerany zay olo zay, dra handa anazy zay toera zay dra hizaka ho:' Sy mbo nahita anao mihisy zaho.'19Ingo, zay gny "fifalian'gny" fandesam-batan'gny olo manahaky anizay; vo hisy raha misiry hafa hisimoky eo amin'gny nofon-tany mitovy eo amin'gny toerany.20Ingo, Zagnahary sy hagnary lelahy raiky sy mana-signy; ndre hitata gny tagnan'gny panao rasy21Mbo ho fenony fiomeheza avo gny vavanao, vo fihobia gny molosinao.22Reo ze malay anao dra hitafy hegnasy; vo sy hisy sasy gny lain'gny rasy fagnahy."
Chapter 9

1Dra namaly Joba dra nizaka ho:2"Fataro mary fa zay vatany gny izy. Fa akory gny ahafahan'gny olo raiky ho mary amin'Agnahary?3No te-hialy hevisy amin'agnahary izy, sy afaky hamaly Anazy ndray mandeha amin'gny arivo izy.4Zagnahary dra hendry am-po vo matazaky amin'gny heriny; ia gny fa nagnamafy gny vatany hanohisy Anazy dra nahomby?---5Izy zay mamindra gny tezovohisy ka sy mampitandry na ia na is no fa mamaliky reo amin'gny fahoriany Izy---6Izy zay magnozongozo gny tany hiala eo amin'gny toerany vo mapihovisovisy gny andriny.7Zay Zagnahary zay gny mizaka gny masoandro sy hiposaky, dra sy miposaky zay, vo gny manafosy reo kita,8zay Izy vatany gny mamelasy gny lagnisy sady manasiosy gny onzan-dranomasy,9zay manao gny Bera, Telonohorefy, Ikotokelimiadilaona, vo reo kita agny Asimo.10Zay Zagnahary zay avo gny manao raha lahibe, raha sy takasy gny say--- raha mahagaga sy hita isa.11Ingo, mandeha agnilako eto Izy, fe sy hitako; mandalo avo koa Izy, fe sy fatako.12No manaisotra raha Izy, ia gny hahasaka Anazy? Ia gny afaky hizaka aminazy ho:' Ino ahinao tiky?'13Zagnahary sy hangalaky gny fahoriany; reo pagnapy an-dRahaba aza miondriky eo ambaniny.14Koa mainky fa akory gny hahafahako mamaly anazy, hahafahako misafisy zaka halahasy aminazy?15Ndre dra mary aza zaho, dra sy afaky hamaly anazy; mitalaho fammindram-po amin'gny pisarako avo gny azoko ahy.16Ndre dra hitoka aza zaho vo namaly anahy Izy, sy nino zaho ho niteo gny feoko Izy.17Akory mandrava anahy amin'gny tafio-sioky vo manafosy gny feriko amin'gny sy misy antony IZy.18Sy mamela anahy hiay aby Izy; fa kosa, fenony raha-mafaisy zaho.19No resaky tazaky, ingo!, mahery Izy! No resaky fisara ia gny afaky hapitoka Anazy?20Ndre dra amin'gny mary aza zaho, gny vavako avo gny hiapanga anahy; vo ndre dra sy manan-signy aza zaho, reo zakako hagnaporofo anahy fa meloky zaho.21Sy mana-signy zaho, kanefa sy dariako sasy gny momba gny vatako; ahiko sinosino gny fiaignako.22Sy manova raha zay, ka zay gny izakako ho haringany miaraky gny olo sy misy signy vo gny olo rasy fagnahy.23No hamono tapoky gny areti-mandripaky, dra hihomehy gny amin'gny fahorian'gny olo sy mana-signy Izy.24Nome teo an-tagnan'gny olo rasy fagnahy gny tany; Zagnahary manafosy reo tarehin'gny pisara zay. Fani sy Izy gny manao anizay dra ia se?25Gny androko dra malaky fandeha noho gny panday hafasy milomay; gny androko dra mihely; ka sy misy soa hitan'ireo ndra eza ndre eza.26Malaky fandeha manahaky gny lakan-zozoro regny, vo malaky fandeha manahaky gny voromahery mipaoky gny hazany.27No nizaka zaho ho hagnaligno reo fitaraignako zaho, hangalaky gny pozy malaheloko zaho ka ho faly,28dra hatahosy gny alaheloko aby zaho akory gny fatako fa sy hihevisy anahy ho sy mana-signy Hab=nao.29Ho melohy zaho; ka nagnino se zaho gny tokony hiezaky sy amin'gny antony?30No nanasa gny vatako tamin'gny ranon'oram-panala zaho dra nanao gny tagnako malio sy nisy sahala anizay,31dra handokoky anahy an-kady agny Zagnahary, vo gny akazoko dra ho rikoriko gny aminahy.32Fa sy olo manahaky anahy Zagnahary, ka afaky hamaly Anazy zaho, ka hiaraky avy eo amin'gny fisara zahay.33Sy misy pisara eo agnelagnelanay mbo hametraky gny tagnany aminay ro.34Sy misy pisara hafa afaky mangalaky gny sorakazon'Agnahary aminahy, zay afaky mita gny horohorony sy hapatahosy Anazy. 35Dra hizaka fatrasy zaho sady sy hatahosy Anazy.Kanefa amin'izao raha-misy zao, dra sy afaky hanao anizay zaho.
Chapter 10

1Rokaky gny miay zaho; haneho malalaky gny fitarainako zaho; hiresaky amin'gny hafaisin'gny fagnahiko zaho.2Hizak amin'Agnahary zaho ho:' Ka magnameloky anahy avo; asehoy anahy gny antony hiapanganao anahy.3Mety aminao se gny mapahory anahy, gny manao sinosino gny asan'gny tagnanao eo am-pihomehia amin'ireo tetiky gny rasy fagnahy?4Mana maso-nofo se Hanao? Mahita sahala gny fahitan'gny olo se Hanao?5Moa reo andronao se sahala gny andron'gny olombelo na gny tanao manahaky reo taon'gny olo,6gny karohinao gny heloko dra hezehinao gny fahotako,7ndre dra fatanao aza fa sy meloky zaho sady sy misy olo afaky hagnavosy anahy eo apelatagnanao?8Gny tagnanao gny mamolavola vo magnamboasy anahy aby, fe tonohinao avo zaho.9Sarovy, mangataky aminao zaho, fa mamolavola anahy manahaky gny tanimanga Hanao; dra ho ahehinao ho botany ndraiky se zaho?10Moa sy fa nandraraky anahy manahaky gny ronono sady napandry anahy manahaky fromazy se hanao?11Napisikininao tamin'gny holisy vo nofo zaho vo napiresinao tamin'gny tola vo ozasy.12Nomenao fiaina vo faneke mahatoky zaho; niamby gny fagnahiko gny fiahianao.13Fe reo raha ze navoninao tao am-ponao---dra fatako fa zao gny nieritreretinao:14no manota zaho, dra ho talakinao zay; sy hanafaky anahy amin'gny heloko Hanao.15No rasy fagnahy zaho, dra loza ho anahy; ndre dra mary aza zaho, dra sy afaky hanondrosy gny lohako, akory feno fahamegnara zaho vo magnety gny fizaliako manoka.16No miandrandra gny lohako, dra hihaza anahy manahaky gny liona hanao; mapiseho gny vatanao ho mahery aminahy ndraiky Hanao.17Manday vavolombelo vaovao manohisy anahy Hanao vo mapitombo gny hahorianao aminahy; manafiky anahy amin'gny tafiky vaovao Hanao.18Nagnino se,gny naboakinao boaky tao am-bohoky zaho? Naleoko nanolosy gny fagnahiko dra sy mbo nisy maso nahita anahy.19Ho manahaky gny sy nisy ndre ombia ndre ombia zaho; ho nandesy boaky tao am-bohoky nagnan-dolo zaho.20SY keliky avo se gny androko? Koa soa zay se, engao ho raiky zaho, mbp hialao havozaha heky21mialohan'gny hialako eo amin'gny sy hiheregnako, magnagny amin'gny tanin'gny ezy vo aloky gny fahafatesa,22gny tany ze mezy manahaky gny sasak'aly, gny tanin'gny aloky gny fahafatesa, sy misy filamigna, zay manahaky gny sasak'aly gny hazava."'
Chapter 11

1Dra Zofara Namatita namaly dra nizaka ho:2" Sy tokony ho valia se gny zaka maro manahaky anizay? Tokony hinoa se, tiky lelahy, be resaky tiky?3Tokony hapisigny reo hafa se gny fireharehanao? No manevateva gny fapianaranay hano, sy hisy olo hapahamegnasy anao se?4Akory hao nizaka tamin'Agnahary ho: 'Malio gny finoako, sy mana-signy eo amasonao zaho.'5Fe, eh, hizaka Zagnahary dra hanokasy gny molosiny hanohisy anao;6mbo haharezany anao reo siambaratelon'gny fahendre!Fa lahibe amin'gny fahazavan-say Izy. Fataro se fa masaiky noho ze mendriky gny helokinao gny angatahin'Agnahary aminao.7Mahatakasy an'Agnahary amin'gny fitaliava Anazy se hanao? Takasinao tateraky se gny Tsihoha?8Zay raha zay dra abo manahaky gny lagnisy: ino gny afaky ahinao? Laliky noho gny Fiaigna-sy hita zay; ka ino gny fatasinao?9Gny refin'izay dra lava noho gny tany, vo lahibe noho gny ranomasy.10No mandalo Izy ka mapisigny olo, no mitoka olo ho saray Izy, dra ia gny afaky hanaka Anazy?11Fa Izy mahay gny olo diso; no fa mahita heloky Izy, sy ho talakiny se zay?12Fe gny olo mola sy mana fahatakara: ho azon'ereo zay no fa miteraky olo gny apondra-dia.13Fe hevero fa nametraky soa gny fonao hanao sady fa nagnosotry gny tagnanao ho amin'Agnahary;14hevero ho eo atagnanao gny heloky, fe boakeo dra nohalavirinao lavisy anao zay, vo sy nanenga gny sy fahamarigna hipetraky ao an-dainao hanao.15Dra hanandrasy gny tarehinao sy misy famatara hegnasy vatany hanao; eka vatany, sy hiovaova hanao sady sy hatahosy.16HAgnaligno gny fahorianao hanao; ho sarovanao sahala gny rano zay niroro avo zay.17Hamirasy noho gny amin'gny mitataovovona gny fiaiagnanao; ndre dra nisy ezy aza, dra hazary manahaky gny maraindray zay.18Ho voaaro hanao akory misy fanatena; eka vatany, hahita fiarova momba anao hanao sady hana fisahara am-pilamigna.19Handr am-pisahara koa hanao, vo sy misy olo hapitahosy anao; eka vatany, maro gny hitalia siagnahy aminao.20Fa ho pahy gny mason'gny olo rasy fagnahy; sy hahita lala hilefa ereo; gny hany fanatenan'ereo dra gny fialan'ay farany."
Chapter 12

1Dra namaly Joba dra nano ho: 2" Sy hisalasala fa andrareo gny olo; vo ho faty mindray amindrareo gny fahendre.3Fa manna fahazavan-say manahaky andrareo koa zaho; sady sy ambanindrareo zaho. Eka vatany, ia gny sy mahay gny raha sahala anizay?4Raha fiomehezan'gny piray vodi-rindry aminahy zaho--- Zaho, zay nitoka an'Agnahary vo zay nivaliny! Zaho, lelahy mary sady sy misy signy---nazary raha fiomeheza zaho amizao.5Amin'gny eriserisy gny olo ze miada, dra misy fagnamavoa lozabe; mieriserisy gny amin'gny fomba zay manday loza maro kokoa ho an'ireo ze solafaky izy.6Hazary amin'gny lain'ireo malaso, vo mahasiaro milamy ireo ze mapahory an'Agnahary; gny tagnan'ereo avo gny zagnaharin'ereo.7Fa amizao agnotanio reo bibidia, dra hapianasy aniha ereo; agnotanio reo voron'gny lagnisy, dra hizaka aminiha ereo.8na miresaha amin'gny tany, ra hapianasy aniha zay; hagnambara aminiha reo fian-dranomasy.9 Biby ino ami'ireo iaby reo gny sy mahay fa gny tagnan'i Yaveh gny nanao anizao?10Eo an-tagnany gny ain'gny raha-managn'ay aby vo gny fofon'ain'gny olombelo aby.11Sy gny sofy se gny mamatasy gny zaka gny lagnilagny manandra gny siron'gny hany?12Ao amin'gny anti-dahy gny misy gny fahendre; ao amin'gny fahalavan'gny andro gny fahazavan-say.13Mana fahendre vo hery Zagnahary; mana torohevisy vo fahazavan-say Izy.14Ingo, mandrava Izy, sady sy afaky hamboary ndraiky zay; no magnagadra olo raiky Izy, dra sy hisy fanafaha.15Ingo, no mihazo reo rano Izy, ho risy reo; vo no mandefa anizay ivelany agny izy, dra manafosy gny tany reo.16Aminazy ao gny hery vo fahendre; gny vahoaky ze voafitaky vo gny pamitaky dra samby eo amin'gny fahefany.17Magnalaky voaninahisy gny panolon-say amin'gny alahelo Izy; vo mampoly reo pisara ho mola Izy.18Alao amin'ireo pazaka gny rojom-pahefa; napagnisy lamba gny valahany erei.19Magnalaky gny voninahisy gny pisoro amin'alahelo Izy sady mandrava gny olo mahery.20Manaisotry gny lahatenin'ireo ze nitokia Izy sady alany amin'ireo loholo gny fahazavan-say.21Mandasaky fagnamavoa amin'gny andrian-dahy Izy sady mamaha gny fehi-trokin'gny olo-matazaky.22Manoro raha laliky boakao amin'gny ezy Izy vo manday gny aloky ze misy reo olo maty hiboaky ho amin'gny fahazava.23Mapatazaky reo firene Izy, vo mamnorotoro anazy reo avo koa; magnitasy reo firene Izy, sady mitariky ireo manahaky gny voafonza avo koa Izy.24Mangalaky gny fahazavan-say amin'ireo pitariky gny olon'gny tany Izy; mahavy andreo hirenireny an'efisy sy misy lala agny Izy.25Misapasapa ao amin'gny ezy sy misy hazava ereo; vo mapivembe andreo manahaky gny olo maro.
Chapter 13

1Ingo, gny masoko fa nahita anizay iaby zay; gny sofiko fa nahare ka nahatakasy anizay.2Ze fatandrareo, dra fatako avo koa; sy ambanindrareo zaho.3Kanefa, aleoko miresaky amin'gny Tsitoha; magniry gny hifandahasy amin'Agnahary zaho.4Fa fosiandrareo amin'gny vandy gny mary; pisabo sy misy lanzany aby andrareo.5Eh, tano ho andrareo gny fisignandrareo! Ho fahendrendrareo zay.6Amizao tenoy gny fandaharako; tenoy gny fiangavian'gny molosiko.7Hizaka amin'gny sy fahamarigna ho an'Agnahary se handrareo, vo moa hizaka amim-pitaky ho Anazy?8Tena hanoro hasara-pagnahy aminazy se handrareo? Hialy agny am-pisara vatany se handrareo mbo ho vavolombelon'Agnahary?9Mety amindrareo vatany se no mitalia andrareo Izy? Afaky gny hamitaky Anazy manahaky gny mety ho famitahandrareo olo se handrareo?10Hananasy andrareo vatany Izy no napiseho fiangara mivony handrareo.11Sy hapitahosy andrareo se gny voninahisy? Sy halavo amindrareo se gny fahatahora Anazy?12Gny zaka fahasiarovandrareo dra ohabola vita amin'gny lavenoky; vo gny zaka fiarovandrareo dra fiarova vita amin'gny tanimanga.13Tano agny gny fisignandrareo, engao raiky zaho, mbo hahafahako mizaka, aoky hoa avy aminahy ze ho avy.14Gny nifiko avo gny hagnombotao gny nofoko; vo rambesiko ho eo an-tagnako gny aiko.15Ingo, no mamono anahy Izy, dra ho foa gny fagnatenako; fa ndre zay aza, dra hiaro gny lalako eo agnatrehany zaho.16Zao gny ho anton'gny fiala-signiko, mbo sy handehanako eo agnatrehany manahaky gny olo pagnarasy.17Zagnahary o, tenoy soa gny zaka alahasiko; aoky gny fagnambarako ho avy eo an-sofinao.18Ingo amizao, fa nalahasiko soa gny fiarovan-tegnako; fatako fa sy manan-signy zaho.19Ia gny raiky ze hialy aminahy eo amin'gny fisara? No avy hanao anizay Hanao, ka no voaporofo fa diso zaho, dra higy zaho ka hahafo gny aiko.20Zagnahary o, raha ro avo gny ahivo aminahy, dra sy hagnavony gny vatako amin'gny tarehinao zaho:21alao aminahy gny tagna-mampahorinao, vo ka enga hapatahosy anahy gny fapihorohoroanao.22Tokavo zaho, dra hamaly zaho; na mamela anahy hizaka aminao, dra hamaly anahy Hanao.23Firy gny hadisoako vo gny fahotako? Apahafataro anahy gny heloko vo gny fahotako.24Nagnino HAno gny magnavony gny tarehinao aminahy ka manday anahy manahaky gny fahavalonao?25Hagnitriky ravi-kazo nandesin'gny sioky se Hanao? Hagnitriky mololo maiky se Hanao?26Fa manorasy raha-mafaisy hanohisy anahy Hanao; hapandovanao anahy gny heloky gny fahatanorako.27Ahinao ao agnaty gadra vy avo koa gny tomboko; atihonao mariny gny lalako aby; dinihinao avo koa gny tany ze nihisahin'gny faladian-tomboko28ndre dra manahaky gny raha lo ze mihalevo aza zaho, manahaky gny akazo lanin'gny kalalao.
Chapter 14

1Gny olo, ze nateraky apela, dra miay andro keliky avo sady feno fahoria.2Misimoky amin'gny tany sahal gny vonikazo izy sady voazera; milefa manahaky gny aloky izy sady sy maharisy.3Mbo magnety an'iregny se Hanao? Moa andesinao ho saray mindray aminao zaho?4Ia gny afaky manday raha malio boak'amin'gny raha maloto? Sy misy.5Voafarisy gny andron'gny olo. Hano gny manapaky gny isan'gny volana iaignany; hanao gny nanondro gny fetrany zay sy azony hihoara.6Mivaliha aminazy mbo hisaharany, dra mbo hankafizany gny androny sahala gny pikarama no afaky manao anizay izy.7Mety hisy fagnatena gny hazo; no voakapa zay, dra mety hisimoky ndraiky, mbo sy hanzavo gny tahony tanora.8Ndre dra miha-antisy ao amin'gny tany aza gny fakany, vo maty ao amin'gny tany gny fotony,9fe ndre dra membo rano avo aza zay, dra hisiry sady hisandrahaky manahaky gny raha-misiry zay.10Fa maty gny olo; dra nazary malemy izy; eka vatany, mizano sy miay gny olo, vo eza izy boakeo?11Manahaky gny fanzavognan'gny rano amin'gny farihy, vo manahaky gny faharitan'gny renirano ka maiky,12dra manahaky anizay koa gny handrian'gny olo dra sy mifoha sasy. Mandra-paha-sy hisian'gny lagnisy sasy, dra sy hifoha na hisanga amin'gny torimasony ereo.13Iriako gny mbo hagnavonianao anahy agny amin'gmy Fiainan-sy hita lavisy gny fahoria, vo mbo hifaharanao anahy ao amin'gny mivony mandra-pisahasy gny hahorianao, vo hanendrenao fotoa voatondro ho anahy hizanognako agny vo mbo hahasiarovanao anahy boakeo!14No maty gny olo raiky, moa mbo hiay ndraiky izy? No zay, dra magniry gny handigny gny fotoam-paharokakiko aby agny zaho mandra-pahavin'gny fanafaha anahy.15Hitoka Hanao, dra hamaly Anao zaho. Hanam-pagniria amin'gny asan'gny tagnanao Hanao.16Hagnisa vo hiahy gny diako Hanao; sy hifahasy gny fahotako Hanao.17Ho voahisy tombo-kase ao agnaty kitapo gny fandikan-dalako; vo hagnaro gny heloko Hanao.18Fa ndre gny tendrombohisy aza lavo dra nazary sinosino;19ndre gny vatolapy aza voahozongozongo amin'gny toerany; lanin'gny rano gny vato; lasan'gny riakany gny botany gny tany. Manahaky anizay, gny hanorotoroanao gny fagnatenan'gny olo.20Mahagio anazy mandrakariva Hanao, dra lasa izy; ovainao gny tarehiny dra halefanao mbo ho faty izy.21No omem-boninahisy reo zanadahiny, dra sy fatany zay; vo no haetry ereo, dra sy hitany zay.22Gny fahararin'gny vatany manoka avo gny sapany, dra mandala ho an'gny vatany avo izy.
Chapter 15

1Dra namaly Elifaza Temanita dra nanao ho:2" Tokony hamaly amin'gny fahalala sy misy dikany se gny olon-kendry raiky ka hameno gny tegnany amin'gny sioky boakagny asignana?3Tokony handahasy amin'gny zaka sy mahasoa4Eka vatany, mapietry voninahisin'Agnahary hanao; manaisotry gny fanoloran-tegna ho Anazy hanao,5fa gny siakao gny mapianasy gny vavanao; mifily gny hana gny lelan'gny olom-pesy hanao.6Gny vavanao avo gny magnahy anao, fa sy gny anahy; gny sogninao avo gny mihazo anao.7Moa hanao gny olo teraky volohany? Moa nahy nisy talohan'ireo havoa avo hanao?8Moa se fa nahare gny fahalala mivonin'agnahary hanao? Moa feranao ho amin'gny vatanao avo gny fahendre?9Ino gny fatanao ze sy fantasinay? Ino gny takasinao ze sy aminay avo koa?10SAmby miaraky aminay reo fosy volo vo reo lelahy voky tao ze antisy mihoasy noho gny ranao.11Moa masaiky loasy ho anao gny fapiononan'Agnahary, dra reo zaka malefaky aminao?12Nagnino gny manday anao hivio gny fonao? Nagnino hanao gny mipipi-maso,13hany dra mivaliky amin'Agnahary gny fagnahinao ka mamoaku zaka sahala anizay boak'amin'gny vavanao?14Ino moa gny olo gny tokony halio? Ino moa ze nateraky apela gny tokony ho mary?15Ingo, Zagnahary dra mametraky fitokisa ndre dra amin'ireo masiny aza; eka vatany, sy malio eo amasony gny lagnisy;16meky fa gny hasaikin'gny fahadiovanao zay mapangelakelaku sady rasy toetra, lelahy mino heloky manahaky gny rano!17Haboako anao; mitenoa anahy; hagnambara aminao reo raha ze hitako zaho,18reo raha ze nizakain'gny olon-kendry boaky tamin'ireo rany, reo raha ze sy mbo navonin'gny razambeny.19Reo gny razan'ereo, zay hany nome gny tany, vo zay sy mbo nandalovan'gny vahiny mihisy.20Gny olo rasy fagnahy dra mizaly am-pararia amin'gny androny aby, zay isan'gny tao napetraky hizalian'gny papahory.21Misy feo fempitaho eo an-sofiny; no hahazo izy, dra ho avy aminzay gny pandripaky.22Sy mihevisy izy fa hihery boakao amin'gny ezy; mandigny anazy gny amesa.23Mandeha agny amin'gny toera isan-karazany izy mbo hitalia mofo, manao ho: 'Eza zay?' Fatany fa atomosy gny andron'gny fahamezigna.24Mapatahosy anazy gny fahoria vo gny fangirifiria; fa mahagio anazy ereo, manahaky gny pazaka vonon-kialy.25Akory nanindrisy gny tagnany hanohisy an'Agnahary izy sady nieboebo nanohisy gny Tsitoha,26dra nilomay magnagny amin'Agnahary amin'gny fahamafisan-katoky zay lelahy rasy fagnahy zay, mindray amin'gny apinga matevy.27Mary zay, ndre dra nagnavony gny tarehiny tamin'gny taviny vo mamory tavy ho an'gny valahany aza izy,28vo nitoby tao amin'gny tana lao; tagny amin'gny tragno ze sy misy mipetraky amizao vo ze fa vono gny ho nahy korotam-bato.29Sy ho pagnarivo izy; sy haharisy gny hareny; ndre gny aloky aza dra sy haharisy an-tany etoky.30Sy hiboaky boakao amin'gny ezy izy; hisy afo handevo gny mololony; vo amin'gny fofonay boak'amin'gny vavan'Agnahary gny halasany.31Aoky izy sy hatoky raha fahatany, ka hamitaky gny ainy; fa gny raha fahatany gny ho valisoany.32Hisy mialohan'gny tokony hahavian'gny fotoa hahafatesany zay; vo sy ho meso gny rasany.33Haninsa gny vihy sy matoiny manahaky gny voaloboky izy; vo hapiraraky gny voniny manahaky gny hazon'oliva.34Fa gny atokon'gny pagnarasy dra ho momba; handevo gny lain'gny kolikoliny gny afo.35Sompasy gny torotoroniny vo heloky gny haterakiny; fitaky gny torotoronin'gny trokin'ereo "
Chapter 16

1Dra namaly i Joba dra nizaka ho:2" Fa nahare raha manahaky anizay maro zaho; papiono mahonena aby handrareo.3Mbo hisy fitaperany se reo zaka sy misy fotony? Ino gny raha manahira gny dra mamaly manahaky anizao hanao?4Afaky mizaka manahaky andrareo avo koa zaho, no handrareo gny teo amin'gny toeraka; afaky mangoro vo manambasy zaka zaho andesy hanohera andrareo vo hagnifikifiky gny lohako amindrareo amin'gny eso.5Eh, te hapahery andrareo amin'gny vavako zaho! Endrey gny ho hamevan'gny fapiononan'gny molosiko gny alahelondrareo!6No mizaka zaho, dra mihe gny alaheloko; no misigny kosa zaho, manao akory gny hagnapia anahy?7Fa amizao, ry Zagnahary, dra novalahinao zaho; noravano gny fianakaviako iaby.8Nohamainao zaho, zay vavolombelo manohisy anahy avo; nisanga hagnameloky anahy gny fahian'gny vatako, vo vavolombelo manohisy gny tavako zay.9Tao agnaty hahoria gny namotehn'Agnahary vo nagnitrifany anahy; nihily vaza taminahy Izy; dra nanondro maso anahy gny fahavaloko no mbo nandrava anahy Izy.10Nisagnasagna vava taminahy gny olo; nitapifin'ereo tamin'gny fanomeza-signy gny fifiko; nindray nivondro hanohisy anahy ereo.11Atolosin'Agnahary eo amin'gny olo pagnirasira zaho, sady atorakiny egny an-tagnan'gny olo rasy fagnahy.12Nilamy zaho, dra nopotehy. Eka vatany, nirambesiny tamn'gny vozo zaho dra narindriny ho momoky; nahiny mariky ho kendreny avo koa zaho.13Mipalipalisy anahy reo panipy gny zana-sipikiny; sindronin'Agnahary sy hanagnahantra gny voako; ararakiny amin'gny tany gny aferoko.14Velesiny hatragny hatragny gny rindriko; milomay magnato anahy manahaky gny pialy Izy.15Nizeriko teo amiholisiko gny akazo fandala; fa naletiko tao amin'gny tany gny tandroko.16Menan'gny tomagny gny tarehiko; eo amin'gny holimasoko gny aloky gny fahafatesa17ndre dra sy misy herisetra aza gny tagnako, dra malio gny fivavako.18Ry tany o, ka lombofa gny lioko; ao sy hana toera hisahara gny fitomagniako.19Ndre amizao aza, ingo, agny an-dagnisy gny vavolombeloko; agny amin'gny avo piatoky anahy.20Magnirasira anahy reo namako, kanefa mandrosa-dranomaso ho an'Agnahary gny masoko.21mangatakyt zay vavolombelo tagny an-danisy zay zaho mbo hialy ho an'itiky lelahy tiky eo amin'Agnahary manahaky gny ahin'gny olo amin'gny piara-belo aminazy zaho!22Fa afaky tao kelikeliky, dra ho agny amin'gny toera raiky zay sy hiheregnako sasy zaho.
Chapter 17

1Levo gny fagnahiko, vo tapisy gny androko; fa vono ho anahy gny lolo.2Azo atoky fa misy pandrabiraby eto aminahy; sy mainsy hagnety gny fihansin'ereo lalandava gny masoko.3Magnomeza atoky, aoky ho atoky hoa anahy hanao miaraky amin'gny vatanao; ia koa gny eto hagnapy anahy?4Fa Hanao, ry Zagnahary, nita gny fon'ereo sy ho amin'gny fahazavan-say; noho zay, sy hanondrosy andreo ho amboniko Hanao.5Izy zay miapanga reo namany tamin'gny valisoa; dra ho poaky gny mason'gny zanany.6Nefa nahiny ho zakalahibe gny vahoaky zaho; nandroran'ereo gny tarehiny.7Poaky nohon'gny alahelo koa gny masoko; gny rasam-batako aby dra mahia manahaky gny aloky.8Reo olo mahisy dra ho ankona amin'izay; gny olo sy mana-signy handrisiky gny vatany hanohisy reo olo pagnirasira.9Gny lelahy mary dra hifikisy amin'gny lalany; se mana tagna malio dra hitombo hery hatragny hatragny.10 Nefa ho ndrareo aby, miavia etaho; sy hahita olo hendry eo amindrareo zaho.11Fa lasa gny androko; rava reo fikasako, dra manahaky anizay koa gny fagnirian'gny foko.12Reo olo reo, reo pagnarasirasy reo, dra mamaliky gny hariva ho andro; marin'gny mezy gny mazava.13Akory magnety gny fiegna-sy hita manahaky gny tragnoko zaho; akory napiely gny fandriako tao amin'gny ezy zaho;14akory nizaka tamin'gny lavaky zaho ho: ' Rako hanao' vo tamin'gny kanka ho: ' Reniko na anabaviko hanao',15dra eza se zay gny fagnatenako? no gny fagnatenako, ia gny hahita anizay?16Hizoso miaraky aminahy agny amin'ireo vavahadin'gny fiegna-sy hita se gny fagnatena no fa mizoso agny amin'gny botany sika?"
Chapter 18

1Boakeo i Bilidada Sohita namaly dra nizaka ho:2" Ombia gny hazanonao gny zakanao? Diniho, vo afaran'izay dra hizaka zahay.3Nagnino zahay gny hevery sahala gny biby; nagnino zahay gny nazary mola eo amasoniha?4Hanao ay mamiravira gny vataniha amin'gny fahorianiha, tokony hahafo ho aniha se gny tany sa tokony ho ala eo amin'gny toerany reo vatolampy?5Eka vatany, ho vono gny fahazavan'gny olo rasy fagnahy; sy hamirapirasy gny pitik'afony.6Ho mezy gny fahazava ao an-dainy; vo gny ziro eo amboniny dra ho vono.7Hafohezy ny dingan'gny heriny; gny fikasany avo gny handrava anazy.8Fa hifahasy agnaty harato amin'gny alalan'gny tombony avo izy; vo hilasaky agnaty vela-pandriky raiky izy.9Hisy fandriky hahazo anazy amin'gny kitro; dra hihazo anazy gny fandriky.10Misy fandriky raiky mivony ho anazy eo amin'gny tany; vo fandriky raiky ho anazy eo amin'gny lala.11Hapatahosy anazy gny fapihorohoroa amin'gny sisiny aby; hagnitriky anazy amin'gny kitrony ereo.12Hivaliky mosary gny hareny, vo ho vono eo agnilany gny loza.13Gny rasam-batany dra voarapaky; eka vatany, gny volohan-teraky gny fahafatesa dra handrapaky gny ransany.14Voaviravira sy ho amin'gny ferovan'gny lainy izy dra hiboaky magnagny amin'gny pazakan'gny horohoro.15Gny olo ze sy anazy dra honina ao an-dainy afaran'gny hahitan'ereo fa niparitaky tao an-tragnony gny solifara.16Ho maky aby agny ambany gny fakany; vo eo ambony gny hanapaha reo sapany.17Ho foa eto an-tany gny fahasiarova anazy; sy hana agnara an-dalan'egny izy.18Ho andesy boakagny amin'gny mazava ho agny amin'gny ezy izy vo ho voaroaky eto n amin'izao totolo zao.19Sy hana zanaky na zafy eo amin'gny olony izy, na hana sisa tavela amin'ireo fara-mandimby ze nizanagnany.20Reo ze mony agny andrefa ddra hiorin-kolisy amy ze hahazo anazy ndraiky andro agny; vo reo ze mony agny asignana dra ho raiki-tahosy amin'izay.21Azo atoky fa manahaky anizay gny tragnon'gny olo sy mary, dra gny toeran'ereo ze sy mahay an'Agnahary."
Chapter 19

1Dra namaly Joba dra nanao ho:2" Hafiria gny hapizaliandrareo anahy vo hanorotoroandrareo anahy amin'gny zaka?3Tamin'izay nandasandrareo anahy ipolo zay; sy bo magnasy napahory anahy andrareo.4No tena mary vatany fa nania zaho, dra hizano ho anahy raiky gny fahadisoako.5No hanondrosy gny vatandrareo ho amboniko vatany andrareo vo hapiasa gny fahafam-barakako hanohisy anahy, 6dra tokony ha fatandrareo fa Zagnahary fa nanao gny sy nety taminahy dra nahatrasy anahy tamin'gny haratony.7Ingo,mitaray zaho ho: " Herisetra!" fe sy mahazo valiny zaho. Nitoka vozeo fatrasy zaho, fe sy nahazo rariny.8Nasiany rindry gny lalako ba sy hahafahako mandeha, sady nametraky ezy teo amin'gny lalako Izy.9nalany taminahy gny voninahisiko, vo fa nanaisotry gny satro-boninahisiko tamin'gny lohako Izy.10Fa namotiky anahy tamin'gny zorony aby Izy, dra lasa zaho, nombotany manahaky gny hazo gny fanatenako.11Napirehetiny taminahy avo kaoa gny fahoriany; rambesiny manahaky gny raiky amin'ireo fahavalony zaho.12Mindray avy reo tafiny; managa dongon-tany hanafiha anahy ereo ka mitoby magnodidy gny laiko.13Nanaisotra reo rahalahiko lavisy anahy Izy; nihafahafa taminahy tateraky reo olo fatasiko.14Nahafo anahy reo havako; fa nagnaligno anahy reo namako mariny.15Reo ze nizano ba ho vahiny tao an-tranoko fahizay vo reo panopo vaviko dra mandramby anahy manahaky gny sy olom-patasy; vahiny zaho eo amazon'ereo.16Mitoka gny panopoko zaho, fe sy namaly anahy izy ndre dra mengavy anazy amin'gny vavako aza zaho.17magnafitohina gny valiko gny fofognaiko; magnelakelaky reo ze nateraky gny tronin'gny reniko mihisy aza zaho.18Ndre reo zaza aza manao sinosino anahy; no misanga hizaka zaho, dra mizaka manohisy anahy ereo.19Reo namako nahazasy avy dra nalay anahy; nivaliky taminahy reo ze tiako.20Mirekisy amin'gny holisiko vo gny nofoko gny tolako; gny hany ivelomako dra amin'gny holisy gny nifiko.21Managna famindram-po aminahy, managna famindram-po aminahy, ry namako, akory gny tagnan'Agnahary dra fa nikasiky anahy.22Nagnino andrareo gny magnitriky anahy manahaky gny hoe andrareo gny Zagnahary? Nagnino gny sy afa-po amin'gny fandevogna gny nofoko andrareo?23Eh, enga anie ka ho voasorasy gny zakako amizao! Eh, enga anie ka ho voarakisy ao agnaty boky regny!24Eh, enga anie ka ho voasokisy amin'gny penina vy vo firaky eo ain'gny vatolapy mandrakizay regny!25Fe no gny aminahy, fatako fa velo gny Pagnavosy anahy, vo 26agny am-parany dra hisanga eo amin'gny tany Izy;afaran'izay gny holisisko, izay ho, itiho vata itio, dra toro, vo dra ao amin'gny nofoko gny hahitako an'Agnahary.27Hahita Anazy amin'gny masoko mihisy zahi---Zaho, fa sy olo-kafa. Fa rokaky miamby anizay gny foko ato agnatiko sto.28No ho andrareo ho: ' Akory gny hagnitrifasika anazy! Gny fotos'ireo fizaliany dra aminazy ao, '29dra matahora gny mesa, akory gny fahoria dra hahavy famaiza amin'gny mesa, ba hahafatarandrareo fa misy gny fisara.
Chapter 20

1Dra namaly I Zofa Namatita dra nizaka ho:2" Reo vesivesiko gny mahavy anahy hamaly malaky nohon'gny fahararia zay ao agnatiko.3Mahare zaka fatrasy zay magnala baraka anahy zaho, fe misy fagnahy boaka'amin'gny fahazavan-saiko mamaly anahy.4Sy fatasiniha se zao raha misy zao hatramin'gny andro fahaela, no nametraky gny olombelo teto an-tany Zagnahary:5gny fandresen'gny olo rasy fagnahy dra fohiky, vo gny hafalian'gny pagnirasira dra maharisy fotoa fohiky avo?6Ndre dra mahatakasy gny lagnisy aza gny haabony, vo magnaniky gny raho gny lohany,7dra mbo ho velo manahaky gny malotony gny olo sahala anizay; reo ze nahita anazy dra hizaka ho: 'Eza izy?'8Hitily sahala gny nofy izy dra sy ho hita; eka vatany, ho ezehy sahala gny fahita amin'gny hariva izy.9GNy maso ze nahita anazy dra sy hahita anazy sasy; gny toerany dra sy hahita anazy sasy.10Hiala siny amin'gny olo mahatra reo zanany; sy mainsy hapihery gny harena azony gny tagnany.11Reo tolany dra feno tazaky gny fahatanora, fe handry mindray aminazy agnaty bo-tany zay.12Ndre dra mamy ao am-bavany aza gny faharasia, ndre dra magnavony anizay aoa ambanin'gny lelany aza izy,13ndre dra mihazo anizay ao sady sy mamela anizay han deh fa mbo mihazo anizay soa ao am-bavany avo aza izy---14dra mivaliky mafaisy gny hany ao agnaty sinainy; zary poizy boak'amin'gny bibilava ao agnatiny zay.15Mitely harena izy, fe handoa anizay ndraiky; haboakin'Agnahary boakao amin'gny trokiny zay.16Hitretrisy gny poizin'gny bibilava izy; hamono anazy gny lelan'gny menarana.17Sy hotia reo renirao, reo riakin'gny tately vo ere-dronono izy.18Hapihery gny vokasy ze nivalahany izy sady sy afaka gny hinana anizay; sy afaky gny ho tia gny harena azony tamin'gny varony izy.19Akory izy napizaly sady nanao sinosino gny olo mahatra; nangala an-keriny reo tragno ze sy naoriny izy.20Akory izy dra sy nahay fahafaham-po tamin'gny vatany, dra sy afaky gny hahavonzy gny raha ze nangalany fahafinareta izy.21Sy mmisy izay tavela ka sy ho nilevogniny; noho zay dra manam-petra avo gny fahombiazany.22Hilasaky agnaty fahoria amin'gny fahamaroan'gny hareny izy; gny tagnan'gny kirairaiky ze ao agnaty fahatra dra ho avy hanoshisy anazy.23No fa hamoeno gny trony izy, dra hatorakin'Agnahary aminazy gny firehetan'gny fahoriany; handrosaky anizay eo aminazy Zagnahary no fa eo an-pihinana izy.24Ndre dra hilefa gny fitova-pialia vy aza zeho lelahy zeho, dra hahavoa anazy gny sipiky saba.25Hitomboky boakao an-damosiny gny lefo vo ho tafaboaky; dra hiboaky boakao amin'gny atiny vatany gny tendrony gny manzelanzelasy; ho avy aminazy eo gny horohoro.26Ezim-be tateraky gny miamby gny hareny; vo afo sy nisofy gny hagnoro anazy; handevo ze sisa tavela ao agnatin'gny lainy zay.27Hagnambara gny helony gny lagnisy, vo hizoro vavolombelo hanohisy anazy gny tany.28Hiely gny harena ao an-tragnony; hiroroany hiala aminazy amin'gny andron'gny fahorian'Agnahary reo fanagnany.29Zay gny azaran'gny olo rasy fagnahy boak'amin'Agnahary, gny lova voatoka ho anazy boak'amin'Agnahary."
Chapter 21

1Dra namaly i Joba dra nizaka ho:2" Tenoy soa gny zakako, dra angao ho fankahereza omendrareo anahy zay.3Mahareta aminahy, fa hizaka avo koa zaho; afaran'gny zakako, dra manesoa hatragny.4No gny aminahy, amin'gny olo raiky se gny fitarainako? Nanao akory zaho gny sy tokony sy hanam-pahareta?5Atio zaho dra ao ho talanzona, dra apetraho eo amin'gny vavandrareo gny tagnandrareo.6No fa mamesivesy reo fizaliako zaho, dra mihorohoro, sady tora-kovisy gny vatako.7Nagnino gny olo rasy fagnahy gny bo miay, trasy antisy, vo mitombo hery amin'gny fahefa?8Miory mindray aminazy eo amason'ereo gny taranany, vo reo zanany dra miory eo amason'ereo.9Gny tragnon'ereo dra lavisy gny tahosy; sady sy amin'ereo eo gny zeran'Agnahary.10Mapagnaraky gny agnombilahiny ereo; vo dra mahavagno; gny agnomby vavin'ereo dra miteraky sady sy mamosotry gny zanany sy apy vola.11Mampiboaky reo zanany manahaky gny agnondry vo osy ereo, dra mandihy reo zanany.12Miansa amin'gny apongatapaky vo lokanga ereo sady mifaly mindray amin'gny feon-sodina.13Miay gny androny amin'gny fa ereo, vo mizoso moramora ho agny amin'gny fiaigna-sy hita.14Ho ereo amin'Agnahary ho: 'Miala aminay fa sy magniry gny hahay gny lalanao zahay.15Ino moa gny Tsitoha, gny tokony hanopo Anazy zahay? Ino gny tombosoa azonay no mivavaky aminazy zahay?'16Ingo, moa se sy eo an-tagnan'ereo avo gny fagnazarian'ereo? Sy misy hirarahiako gny toro-hevisy gny olo rasy fagnahy.17Impiry maty gny ziron'gny olo rasy fagnahy, na avy eo aminazy gny lozan'ereo? Impiry gny mizara alahelo amin'ereo amin'gny fahoriany Zagnahary?18Impiry ereo gny avy manaheky gny mololo andesin'gny sioky na manahaky gny aloky tafio-drivosy?19Ho andrareo ho: ' Zagnahary mihaza gny helony bo havahin'ireo zanany.' Angao gny vatany avo gny hagnavaky zay, bo hahafatarany gny helony.20Angao gny masony hahita gny faharavany, vo angao izy hino gny fahorian'gny Tsitoha.21Akory ino gny hirarahiany gny mahakasiky reo taranany mandimby anazy no fa tapaky gny isan'ireo volany?22Moa se misy olo afaky mapianasy fahalala an'Agnahary akory ndre dra ereo ze ambony aza dra Izy gny misara?23Gny olo raiky dra maty ao agnatin'gny heriny feno, tony tateraky sady miada.24Feno ronono gny vatany, vo gny nisikin'gny tolany dra mando sady salama soa.25Misy olo raiky hafa maty ao agnatin'gny faitrin'gny fagnahy, olo ze sy bo niay raha soa.26Samby mandry agnaty vovoky ereo; vo manafosy gny vatan'ereo ro reo kankana.27Ingo, fatako gny vesivesindrareo, vo reo fomba zay irindrareo bo handiasoa anahy.28Fa ho andrareo ho: ' Eza zao gny tragnon'andriandahy? Eza gny lay zay nonenan'gny rasy fagnahy taloha?"29Sy bo nagnotany gny olo pandeha lavisy mihisy se andrareo? Sy fatandrareo se gny porofo azon'ereo zakay,30fa voaaro amin'gny andron'gny loza reo rasy fagnahy, vo havio lavisy gny andron'gny fahoria izy?31Ia gny hagnasiaky gny fomban'gny rasy fagnahy eo anatrehany? Ia gny hagnavaky anazy amin'gny raha vitany?32Fe mbo ho lanzay ho an-dolo agny izy; reo olo ddra hiamby gny lolony.33Ho mamy aminazy gny baingan-dohasaha; hagnaraky anazy boakao afara gny olo aby, manahaky gny nandehanan'ireo olo maro sy voaisaky teo alohany.34Nanao akory dra andrareo gny napiono anahy amin'gny raa sy misy dikany, akory ao amin'ireo valitenindrareo dra sy misy afa-sy vandy avo?"
Chapter 22

1Dra namaly Elifaza Temanita dra nizaka ho:2" Mety taliavin'Agnahary gny olo? Mety taliaviny se gny lelahy hendry?3Moa se fahafinareta ho an'gny Tsitoha no mary hanao? Moa se tombony ho Anazy no manao gny lalaniha ho sy misy signy hanao?4Moa se gny fanehoaniha fagnaza Anazy gny hamezignany aniha vo hindesany aniha amin'gny fisara?5Moa se sy lahibe gny faharasianiha? Sy misy fiafara se reo helokiniha?6Fa nangataky atoky tamin'gny findramam-bolan'gny rahalahinian tamin'gny sy misy antony hanao, sady fa nandrava akazo tamy ze nitanzaky hanao.7Sy nagnomia rano hi inomin'gny olo rokaky hanao; namihina mofo sy ho an'gny olo mosary hanao,8ndre dra olo mahery aza hanao, zay nana gny tany, ndre dra olo manam-boninahisy aza hanao, zay nonina tao amin'izay.9Nalefaniha maiky gny pinday vata; vo gny tagnan'ireo kamboty dra notapahy.10Noho zay, misy fandriky gny magnodidy aniha aby, vo gny fahatahora tapoky gny mapizaly aniha.11Misy gny ezy, bo sy hahitaniha; vo gny rano be manafosy aniha.12Moa se Zagnahary sy agny amin'gny haabon'gny lagnisy? Atio gny haabon'ireo kinta, endrey gny haabon'ereo!13Vo ho hanao ho: ' Ino gny fatan'Agnahary? Mety hisara amin'gny alalan'gny ezim-be se Izy?14Gny raho matevy gny firakofany, bo sy hahitany asika; mandeha egny amin'gny andohalombon'gny lagnisy Izy.'15Hitandry gny lala taloha ze nandehan'gny olo rasy fagnahy se hano---16reo ze nala talohan'gny fotoany, reo ze voaraoky sahala gny renirano gny fotos'ereo,17reo ze nizaka tamin'Agnahary ho: 'Miala aminay'; reo ze nizaka ho: ' Ino gny azon'gny Tsitoha ahy aminay?'18Fe bo nameno gny tragnon'ereo tamin'gny raha soa Izy; gny dinik'ireo rasy fagnahy dra lavisy anahy.19Gny olo mary mahita gny anzarany dra faly; gny olo sy mana signy miomehy andreo bo hikoraky anazy.20Ho ereo ho: ' Azo atoky fa nitapahy reo ze nisanga nanohisy asika; nandevo gny fanagnany gny afo.'21Koa amizao, magneke an'Agnahary vo mihavagna aminazy; amin'izay fomba zay, gny hiavian'gny soa aminiha.22Mangataky aminaha zaho, mandarmbesa fapianara boak'emin'gny molosiny; tehiriza ao am-poniha gny zakany.23No mihery amin'gny Tsitoha hanao, dra hiory, no mametraky gny sy fahamarignaniha lavisy gny lainiha hanao.24Apandrio eo amin'gny bo-tany gny hareniha, gny volamenan'i Ofira eo amin'gny vaton'gny lohasahan-driaky,25vo gny Tsitoha gny ho hareniha, volafosy sarobisy ho aniha.26Fa amin'izay dra hiravoravo ami'gny Tsitoha hanao; hanondrosy gny tarehinao amin'Agnahary hanao.27Hivavaky aminazy hanao, dra hiteno anao Izy; hagnavaky reo voadinao aminazy hanao.28Handidy gny raha aby koa hano, vo dra hafatrasy ho aniha zay; hamirasy amin'gny lalaniha gny fahazava.29Zagnahary dra mapietry gny olo mirehareha, vo mamozy gny olo mapizoso gny masony.30Hagnafaky Izy ndre dra gny olo mana signy aza; zay ho voze eo amin'gny fahadiovan'gny tagnaniha."
Chapter 23

1Boakeo Joba namaly dra nanao ho:2" Ndre dra androany aza dra mafaisy gny fitarainako; gny tagnako dra mavesasy nohon'gny fitarainako.3Vasa, no bo fatako ze mety hahitako Anazy! Eh, bo hiaviako eo amin'gny toerany!4Handahasy gny aliko eo anoloany zaho vo hameno gny vavako amin'gny fandresen-dahasy.5Hianasy reo zaka ze hamaliany anahy zaho dra hahazo ze ho zakany aminahy.6Hialy hevisy hanohisy anahy amin'gny halahiben'gny fahefany se Izy? Aha, hiteno anahy Izy.7 Agny gny hialy hevisy Aminazy gny olo mahisy. Amin'izay fomba zay gny hagnafahan'gny pisarako anahy maliolio mandrakizay.8Ingo, mandeha miasinagna zaho, fa sy agny Izy, dra miakandrefa, fe sy mety mahita Anazy zaho.9Gny agny avarasy, zay iasany, fe sy afaky mahita Anazy zaho, dra gny agny asimo, zay agnavonony gny vatany bo sy hahafahako mahita Anazy.10Fe mahay gny lala zay andehanako Izy; no fa nisedra nahy Izy, dra hiboaky manahaky gny volamena zaho.11Nifikisy tamin'gny liany gny tomboko; nifikisy tamin'gny lalany zaho sady sy nivio.12Sy niala tamin'ireo lilin'gny molosiny zaho; gny zakan'gnmy vavany dra nataoko tao am-poko mihoasy noho gny anzara haniko.13Fa sy manam-paharo Izy, ia gny afaky hamarosy Anazy ndraiky? Izay iriny dra ahiny.14Fa taterahiny hanohisy anahy reo lalany; misy maro manahay reo15Noho zay, mihorohoro zaho eo amin'gny fanatrehany; no fa mieritrerisy gny mahakasiky Anazy zaho, dra matahosy Anazy.16Akory fa nahin'Agnahary malemy gny foko; napihorohoro anahy gny Tsitoha.17Sy nitapery tamin'gny ezy zaho, nohon'gny ezim-be zay misaro gny ezim-piton'gny tarehiko.
Chapter 24

1Nagnino ny fotoa fisara reo rasy fagnahy gny sy nahin'gny Tsitoha? Nagninoreo ze mahatoky an'Agnahary gny sy mahita gny fiavian'gny andron'gny fisarany?2Misy olo rasy fagnahy zay mangalaky gny mariky gny sisin-tany; misy olo rasy fagnahy zay mangalaky an-kery gny andian'agnondry vo osy dra mametrak reo ao amin'gny valan'ereo manoka.3Mandroaky gny borikin'ereo ze kamboty rey ereo; mangalaky gny agnombin'gny manday vata ho ferova ereo.4Manery reo olo ory hiala amin'gny lalany ereo; reo olo mahatran'gny tany dra mivony andreo aby.5Ingo, reo olo mahatra reo dra miboaky miasa manahaky gny borikidia agny amin'gny tany hay, mitalia hany fatrasy;vasa mbo hanome andreo reo hany ho an'gny zanak'ereo avo i Araba.6Gny olo mahatra dra mizinza agny amin'gny sahan'gny olo hafa amin'gny hariva; misimpo gny voaloboky boak'amin'gny vokas'ireo olo rasy fagnahy ereo.7Mandry mifahasy sy misy akazo ereo gny hariva totolo; sy mana fisafora ereo amin'gny hatsiaky.8Lenan'gny eriky gny tendrombohisy ereo; sady mandry agnilan'gny vato lahibe akory sy manan-kialofa.9Misy reo rasy fagnahy manaisotra reo kamboty eo an-tratran-dreniny, vo olo rasy fagnahy ze mangala reo zaza ho fiarova amin'gny olo mahatra.10Fa reo olo mahatra dra mandehandeha mitahasy sy misiky; ndre dra mandeha resy aza ereo, dra mitarazo gny amboaram-barin'gny hafa.11Reo olo mahatra dra manao dililo ao agnatin'gny rindrin'ireo rasy fagnahy reo; magnisakisaky ao amin'gny famiazan-divain'ireo rasy fagnahy ereo, fa ndre gny vatan'ereo dra mizalin'gny hetaheta.12Misefosefo gny olo ao amin'gny tana, mikoraky fatrasy gny olo narasy, akory sy midary gny vavak'ereo Zagnahary.13Gny ilany tamin'ireo olo rasy fagnahy reo dra mikomy manohisy gny hazava; sady sy fatan'ereo gny lalany, gny mizano amin'gny lalany ereo.14Mialohan'gny andro mazava gny misanga gny pamono olo dra mamono gny olo mahatra vo gny olo ory; sahala gny pangalasy izy amin'gny hariva.15Miamby gny harivariva avo koa gny mason'ireo pizangazanga; ho izy ho: 'Sy hisy maso hahita anahy.' Manafosy gny tarehiny izy.16Ao amin'gny ezy gny hisavan'gny olo rasy fagnahy gny tragno; fa ereo dra mapisisgny gny vatan'ereo amin 'gny andro; sy miraharaha gny hazava ereo.17Amin'izy aby, gny ezim-pito dra manahaky gny maraindray; akory ereo dra sakezan'gny fapihorohoroan'gny ezim-pito.18Ndre zay aza anefa dra ho levo malaky ereo, manahaky gny roasy misikafo egny ambony rano; gny anzaran-tanin'ereo dra voaozo; sy misy olo andeha hiasa egny amin'gny tanim-boalobok'ereo.19Manahaky gny napisonihin'gny hain-tany vo gny hafana gny oram-panala ho rano, gny hangalan'gny fiaianan-sy hita reo ze nanota.20Gny troky ze nanday anazy dra hagnaligno anazy; gny kankana gny hihina anazy an-kamamia; sy ho ssaroa sasy izy; amin'izay fomba zay, gny hahapotiky gny faharasia manahaky gny hazo.21Gny rasy fagnahy dra handrapaky gny apela momba zay sy nitera-zaza; sy magnisy soa amin'gny panday vat izy.22Kanefa Zagnahary bo mitariky gny olo mahery amin'gny alalan'gny heriny avo; misanaga Izy vo sy mapatazaky andreo amin'gny fiaina.23Zagnahary dra mamela andreo hihevisy fa mandry fahalema ereo, vo faly gny amin'izay ereo, fe gny masony dra egny amin'gny lalany.24Asondrosy reo olo reo; fe, ao agnatin'gny fotoa fohiky avo, dra ho lasa ereo; eka vatany, hahetry ereo; hahoro manahaky gny hafa aby ereo; ho tapahy mahanaky gny salohim-bary ereo.25No sy zay, ia gny afaky hagnamary anahy ho pavandy; ia gny afaky hanao sinosino gny zakako?
Chapter 25

1Dra Bildada Sohita namaly dra nizaka ho:2" Ao aminazy gny fanapaha vo gny tahosy; mandamy agny amin'gny toerany abo agny an-dagnisy Izy.3Misy fetrany se gny isan'ireo tafiny? Amin'ia gny sy hamirapiratan'gny fahazavany?4Akory se gny hahamary gny olo eo amin'Agnahary? Akory gny hapalio ze nateraky apeka, ho azo eke eo aminazy?5Ingo, fa ndre dra gny vola aza sy mamirasy aminazy; sy malio eo amasony gny kita.6Sandraky fa gny olo, zay kankana---zay zanak'olombelo, zay kankana!"
Chapter 26

1Dra namaly Joba ka nanao ho:2" Endrey gny fagnapianao gny raiky zay sy manan-kery! Endrey gny namozenao gny sandry zay sy nana tazaky!3Endrey gny nanoroanao hevisy gny olo zay sy manam-pahendre vo gny nagnambaranao fahalala soa taminazy!4Tamin'gny fagnapian'ia gny nizakanao regny zaka regny? Fagnahin'ia gny niboaky boaky taminao?5Zary mangitikitiky gny maty, dra reo ze agny ambany rano vo reo aby ze mitoesy ao amin'izay.6Mifahasy eo agnatrehan'Agnahary gny Fiainan-sy hita; gny faharava mihisy gny sy misy famognosa aminazy.7Mamelasy gny lagnisy avaraxsy egny amin'gny toera babangoa Izy,sady mapihanto gny tany eo amin'gny sy misy.8Mapitambasy gny rano ao amin'gny rahony matevy Izy, fe sy mitriatry ao ambanun'izay gny raho.9Mamongo gny vola izy sady mapiely gny rahony eo amin'izay.10Nisikisy farisy boribory teo ambony rano ho farany eo amin'gny mazava vo gny ezy Izy.11Mihesikesiky gny andrin'gny lagnisy sady taisy tamin'gny fizakany fatrasy.12Napizano gny ranomasy tamin'gny heriny Izy; tamin'gny fahazavan-sainy gny napilavoany an-dRahaba.13Tamin'gny fofonainy gny napisavany gny lagnisy; gny tagnany gny nitomboky gny menara teo am-pilefasa.14Ingo, tapany amin'gny lalany avo zay; endrey gny haleminy gny bisiky resika boak'aminazy! Ia gny afa-mahatakasy gny kotroky gny heriny?"
Chapter 27

1Dra nanohy niresaky ndraiky Joba dra nanao ho:2" No mbo velo vatany Zagnahary, zay nanaisotra gny rariny ho anazy, gny Tsitoha, zay napalailay gny fiaignako,3no mbo aminahy ato gny aiko, vo eo am-bavoroko gny fofon'ay boak'amin'Agnahary, dra zao gny ho ahiko.4Sy hizaka faharasia gny sogniko, na hizaka fitaky gny lelako;5sy hagneky mihisy zaho ho mary andrareo telo; mandra-pahafatiko dra sy handa gny fahisiako mihisy zaho.6Tanako fatrasy gny fahamarignako sady sy hangako handeha; sy hikoraky anahy mihisy gny eriserisiko no mbo velo zaho.7Aoky gny fahavaloko hanahaky gny olo rasy fagnahy; aoky ze misanga hanoisy anahy hanahaky gny olo sy mary.8Fa ino gny fagnatenan'gny pagnarays no fa haringan'Agnahary izy, no fa alan'Agnahary gny ainy?9Moa ho tenoin'Agnahary gny fitorevany no fa avy aminazy gny fahoria?10 Moa hapiravoravo gny vatany amin'gny Tsitoha izy vo hitoka an'Agnahary amin'gny fotoa aby?11Hapianasy andrareo mahakasiky gny tagnan'Agnahary zaho; vo sy hanazary gny eriserisin'gny TSitoha zaho.12Ingo, ndrareo aby mihisy gny nahita anahy; koa nagnino se ndrareo gny nizaka zao raha sy misy dikany aby zao?13Zao gny anzaran'gny olo rasy fagnahy amin'Agnahary, gny lovan'gny papahory zay resiny boak'amin'gny Tsitoha:14No mihamaro gny zanany, dra ho an'gny amesa zay;sy ho apy hany mihisy gny taranany.15Reo ze sisa velo amin'izay dra halevin'gny areti-mandripaky, vo gny valy nengan'ereo sy mbo mitomany andreo.16Ndre dra mamory volafosy manahaky gny botany aza gny olo rasy fagnahy, dra mamory akazo manahaky gny tanimanga,17dra mety hamory akazo avo izy, fa gny olo mary gny hisiky anizay, vo gny olo sy mana-siny hizara gny volafosy eo amin'ereo.18Mananga gny fasengeny manahaky gny hala izy, manahaky gny tragno bongo ze ahin'gny piamby.19Mandry ao am-pandria amin'gny hapagnarivo izy, fe sy hizano amin'izay Izy; manokasy gny masony izy, dra lasa gny raha aby.20Mandrendriky anazy manahaky gny rano gny horohoro; mangalaky anazy amin'gny hariva gny tafio-drivosy.21Andesin'gny rivosy lat'agny asignana izy, vo lasa; mamafa anazy sy ho eo amin'gny toerany anizay.22Mapifatrasy gny vatany agny aminazy anizay vo sy mizano; miezaky gny milefa miala gny tagnany izy.23Miteha-tagna anazy amin'gny fanesoa anizay; misiosioky anazy hila amin'gny toerany zay.
Chapter 28

1Azo atoky fa misy toeram-pitrandraha volafosy, toera zay fagnadiovan'ereo volamena.2Gny vy dra nalay lat'amin'gny tany; gny saba dra misoniky miala lat'amin'gny vato.3Mapisava gny ezy olo ka mikaroky, hatragny amin'gny fetra lavisy be, gny vato agny agnaty ezy vo ezim-be.4Mihaly lavaky miala gny toera honegnan'gny olo izy, toera ze fa halignon'gny olo. Misampy lavisy gny olo izy; misingeva eho vo eroho izy.5No gny amin'gny tany, ze iboahan'gny mofo, dra mivaliky ao ambany manahaky gny tamin'gny alalan'gny afo zay.6Gny vaton'izay gny toera ahita reo safira, dra gny bony dra misy volmena.7Sy misy voro pihaza mahafatasy gny lala magnao, na gny mason'gny voromahery ka mahita anizay.8sy nisy bibidia natazaky ka nandia gny lala manahaky anizay, na liona ka nandalo teo.9Gny olo dra mametraky gny tagnany eo ambony vato karangana; avaliky hatragny amin'gny vahany gny tendrombohisy.10Manapaky fasona eo amin'ireo vatolapy izy; mahita gny raha sarobidy aby ao gny masony.11Manensy gny riaky so sy hikoria izy; ze mivony ao amin'izeho dra haboakiny ho amin'gny mazava.12Eza gny hahita gny fahendre? Eza gny toeran'gny fahazavan-say?13Gny olo dra sy mahafatasy gny viliny; dra sy hita eo amin'gny tanin'gny velo zay.14Gny rano lalaiky ambanin'gny tany manao ho: 'Sy aminahy ato zay'; gny ranomasy manao ho: 'Sy aminahy atiky zay.'15Sy azom-bolamena zay; ndre gny volafosy aza sy azo lanzay ho viliny.16Sy mahatomba anazy gny volamenan'i Ofira, mbamin'gny beryla sarobidy na safira.17Gny volamena vo gny vato krystaly dra sy azao apitaha amin'gny lanzany; dra sy afaky atakalo amin'gny firavaky gny volamena voalio zay.18Sy ho zaka se gny lanzan'gny haran-dranomasy na gny jaspy; eka vatany, gny vilin'gny fahendre dra mihoasy noho gny ruby.19Gny topazan'i Etiopia dra sy mifapitaha aminazy; na gny tena volamena aza sy afaky sandaina amin'izay.20Dra bok'eza se, gny hiavian'gny fahendre?21Eza gny toeran'gny fahazavan-say? Gny fahendre dra mivony amin'gny mason'gny raha managn'ay aby vo avony an'ieo voron'gny habakabaky.22Gny Faharava vo Fahafatesa dra mizaka ho: 'Resaky avo gny ren'gny sofinay amin'izay.'23Zagnahary mahay gny lala magnagny; fatany gny toeran'izay.24Akory Izy magnety hatrany amin'gny fara-vazan-tany dra mahita gny ambanin'gny lagnisy aby.25Nanao gny herin'gny rivosy Izy sady namasisy gny rano araky gny refiny.26Nanao lily ho an'gny ora Izy vo lalana ho an'gny selasiy gny kotrok'ora.27Dra nahita gny fahendre IZy dra nagnambara anizay; nametraky anizay Izy, eka vatany, nandiniky anizay Izy.28Ho Izy tamin'gny olo ho: 'Ingo, gny fahatahora gny Tompo---zay gny fahendre; gny fiala amin'gny rasy gny fahazavan-say."'
Chapter 29

1nanohy nizaka Joba dra nanao ho:2"Eh, no mbo manahaky gny tamin'iegny vola lasa tamy nikarakaran'Agnahary anahy regny moa zaho,3tamy namirapirasy teo an-dohako gny zirony, vo tamy namakivaki gny ezy tamin'gny fahazavany zaho.4Eh, no mbo manahaky gny tamin'gny andron'gny fatoizako tamy gny fisakezan'Agnahary tao am-pasangeko regny moa zaho;5tamy mbo nindray taminahy gny Tsitoha, vo mbo nagnodidy anahy reo zanako,6tamy voarakosy ronono gny lalako, vo gny vatolapy nandrosaky rian-dililo ho anahy!7No niboaky gny vavahadin'gny tana zaho, no nitoboku tamin'gny toerako teo an-kianzan'gny tana zaho,8dra nahita anahy dra nizano lavisy anahy tamim-pagnaza reo tovolahy, vo gny olo antisy nisanga dra nizoro ho anahy.9Nizano sy nizaka gny andriandahy nofa avy zaho; nitapy gny vavany tamin'gny tagnany ereo.10Niegny gny feon'ireo olo-manan-kaza, dra nirekisy teo amin'gny lagnilagniny gny lelan'ereo.11Fa nofa avy nahare anahy gny sofiny, dra niso-drano anahy ereo; nofa avy nahita anahy gny masony, dra nizoro vavolombelo ho anahy sady nagneky anahy ereo12akory nagnavosy gny olo ze nahantra izaho nofa nitaray ereo, vo gny olo ze kamboty ra nofa sy mnana ndre iza ndre iza hagnapy anazy izy.13Gny so-dranon'ize fa ho faty dra avy taminahy; nahavy gny fon'ireo pinday vata hiira fifalia zaho.14MItafy fahamarigna zaho, sady napitafy anahy anizay; gny fahamarigna dra manahaky gny akazo lava vo satroky.15Maso ho an'ireo olo poaky zaho; tomboky ho an'ereo olo malemy zaho.16Ra ho an'ireo olo ory zaho; nandiniky gny aly ndre dra gny an'gny olo ze sy fatako aza.17Nanorotoro gny valagnoran'gny olo sy mary zaho; nagnombosy gny azon-draha lateo amin'gny nifiny zao.18Dra ho zaho ho: 'Ho faty ao amin'gny akaniko zaho; hapitombo reo androko manahaky gny vovom-pasiky zaho.19Misandahaky eo amin'gny rano reo fakako, vo gny ando nitoesy teo amin'ireo ransako gny hariva totolo.20Gny voninahisy aminahy ao dra vaovao lalandava, vo gny sipikin'gny heriko dra vaovao lalandava eo an-tagnako.21Niteno anahy reo olo; niamby anahy ereo; nisigny so hiteno gny toro-heviso ereo.22Nofa vita gny zakako, dra sy niaka sasy ereo; nitete manahaky gny rano teo amin'ereo gny zakako.23Niamby anahy lalandava manahaky gny niamby ora ereo; napisagnasagna gny vavany ereo so hino gny zakako, manahaky ze hahin'ereo amin'gny fara-ora.24Nihomehy tamin'ereo zho nofa sy nagnapo anizay ereo; sy mbo nanda gny fahazavan'gny tarehiko ereo.25Nifily gny lalan'ereo zaho dra nitoboky ho lahibeny; niay manahaky gny pazaka omban'gny tafiny zaho, manahaky gny olo ze mapiegny reo pandala.
Chapter 30

1Androany reo ze tanora noho zaho dra sy mana ndre ino ndre ino laha-sy fanesoa ho anahy---dra reo tovolahy ze sy nengako hiasa eio agnilan'gny amboan'gny biby fitezako gny ran'ereo.2Eka vatany, gny herin'gny tagnan'ireo rany, akory gny nahafahan'izay nagnapy anahy---reo lelahy ze foa gny herin'gny taon'gny fahamatoran'ereo?3Nahia nohon'gny fahantra vo gny haresea ereo; nihina tamin'gny tany maiky agnaty ezin'gny tany efisy sady rava ereo.4Nioty simon-kazo mafaisy vo ravin-boaroy ereo; gny fakan'gny anhavidy gny sakafon'ereo.5Niroahy sy ho eo amin'gny olo ze nanakora andreo manahaky gny fanakoran'gny olo raiky gny pangalasy ereo.6Dra sy mainsy nitoboky tagny an-dohasahan-driaky ereo, tao an-davaky gny tany vo gny vatolapy7Nagneno manahaky gny ampondra teo amin'ireo voaroy ereo; dra tao ambanin'ireo voaroy gny niarahan'ereo nivory.8Zanaky mola ereo, eka vatany, zanak'olo sy manan-kaza ereo! Niroahy hiala tamin'gny tany tamin'gny karavasy ereo.9Fa androany, lasa hira fagnesoa ho an'ireo zanany zaho; eka vatany, lasa fihomeheza ho andre androany.10Malay anahy sady mizoro lavisy anahy ereo; dra sy mizano gny mandrora gny tarehiko.11Fa Zagnahary namaha gny taly tamin'gny sipikako sady napahory anahy, vo ereo ze magnarasy anahy dra nagnary gny fanereny teo agnatrehan'gny tarehiko.12Eo amin'gny tagna an-kavagnako gny hisanganan'gny androvolahy; mandroaky anahy ereo say manao dongon-tany hanao fahirano anahy.13Rovan'ereo gny lalako; atosik'ereo ho eo aminahy gny loza, dra reo lelahy ze sy misy ndre iza ndre iza hita andreo.14Avy hanohisy anahy manahaky gny tafiky lat'amin'gny lavaky lahibe raiky eo amin'gny fefin'gny tana ereo; eo agnivon'gny faharipaha gny agnakendan'ereo anahy.15MItoliky aminahy gny fapihorohoro; nisofy manahaky gny andesin'gny sioky gny voninahiso; levo manahaky gny raho gny fagnazako.16Amizao dra miboaky boak'ao agnatiko gny aiko; andrim-pizalia maro gny nita anahy.17Voatrobaky gny tolako ato agnatiko amin'gny hariva; sy mizano reo fararia ze mihatra aminahy.18Nangalaky gny fitafiako gny herin'Agnahary lahibe; magnodidy anahy manahaky gny vozon'gny akazoko zay.19Nagnary anahy tao agnaty fotaky izy; nazay manahaky gny botany vo lavenoky zaho.20Mitaray aminiha zaho, ry Zagnahary, fa sy mamaly anahy Hanao; misanga zaho, fa magnety anahy avo Hanao.21Niova Hanao sady nazary lozabe taminahy; amin'gny herin'gny tagnanao gny hagnitrifaniha anahy.22MAnondrosy anahy eo amin'gny sioky Hanao dra mapinday anazy anahy; mapirerireru anahy agnaty tafio-drivosy Hanao.23Fa fatako fa hinday anahy ho amin'gny fahafatesa Hanao, ho amin'gny tragno ze voalahasy ho an'gny raha-managn'ay aby.24Ndre zay aza, sa ra sy misy ndre ia ndre ia maninzisy gny tagnany hitalaho famonze nofa lavo izy? Sa ra sy misy olo mana olo ka mitoka vonzy?25Sy nitomagny ho an'ize tra-pahoria ra zaho? Sady sy nalahelo gny olo ory ra zaho?26Nofa nikasaky gny soa zaho, dra gny rasy gny avy; nofa niamby gny hazava zaho, dra gnyezy ndraiky gny avy.27Ory gny foko sady sy manam-pizanogna; avy taminahy reo andron'gny fahoria.28Fa nandehandeha manahaky gny olo ze nitoboky tao agnaty ezy zaho, fa sy nohon'gny masoandro; mizoro ao amin'gny fiangona zahodra mihiaky famonze.29Rahalahin'ireo amboadia zaho, naman'ireo ostritsa.30Mainty gny holihiko sady miendaky aminahy; oroan'gny hafana gny tolako.31Noho zay dra mifagnaraky amin'gny hira fandala gny lokangako, vo gny sodiko ho an'gny hiran'ireo ze mitomagny.
Chapter 31

1Fa nanao faneke tamin'gny masoko zaho; vdra ahiko akory gny hagnety ambam-pisiririta gny virijiny?2Fa ino gny anzara lat'amin'Agnahary ambony, gny lova lat'amin'gny Tsitoha agny amin'gny abo be?3Nieriserisy avo zaho fa gny loza dra an'gny olo sy mary, vo gny fahoria gny ho an'gny panao rasy.4Sa sy hitan'Agnahary ra gny lalako dra isainy gny liako aby?5No nandeha tamin'gny vandy zaho, no nandeha malaky ho amin'gny fitaky gny tomboko,6dra aoky zaho ho lanzay amin'gny mizana mbo hahafataran'Agnahary gny fahisiako.7No niala tamin'gny lala-mary gny liako, no nandeha nagnaraky gny masoko gny foko, no nisy penina nandoto gny tagnako,8dra aoky zaho hamafy sady aoky zaho hihina gny hafa; eka vatany, aoky ho fongory amin'gny sahako gny vokasy.9NO voafitaky gny apela gny foko, no nandry tam-piambena teo am-batragnaran'gny piara-belo taminahy gny valiny zaho,10dra aoky gny valiko handisa vary ho an'gny lelahy hafa, dra aoky reo hafa hiakohky eo aminazy.11Fa ho heloko bevava mahaory zay; eka vatany, ho heloko bevava ho sazian'gny pisara zay.12Akory zay dra afo zay mandevo gny rah aby ho an'gny Fiegnan-Sy hita vo hangoro gny vokasiko iaby.13No sy nidary gny fangatahako rariny lat'amin'gny panopoko lelahy na apela zaho nofa nialy hevisy taminahy ereo,14dra ino ra gny hahiko nofa misanga hiapanga anahy Zagnahary? NOfa ho avy hisara anahy Izy, dra akory gny havaliko Anazy?15Sa gny raiky ze nanao anahy tao am-bohoky sy nanao andreo koa? Sa sy raiky avo gny namolavoala anay aby tao am-bohoky?16No nanaka gny olo mahantra tamin'gny fagnirian'ereo zaho,17na no nanapahy gny mason'gny pinday vata tamin'gny fitomagnia, na no nihina gny sombin-kaniko raiky zaho dra sy nanenga ireo ze kamboty hihina anizay koa---18akory nihalahibe nindray taminahy manahaky gny nindray tamin'gny ra hatramin'gny fahazazako gny zaza kamboty, dra nitariky gny reniny zaho, zay pinday vata,laha tao an-trokin-dreniko19No nahita olo fa ho faty nohon' gny sy fanagna akazo zaho, na no nahita mahantra sy nana akazo;20no sy nisaosy anahy gny fony noho izy sy nafana tamin'gny volon'agnondriko,21no nanandrasy gny tagnako hanohisy gny olo kamboty zaho akory nahita gny fanohanako teo am-bavahadin'gny tana, dra manday fiapanga anahy!22No nanao reo raha reo zaho, dra aoky gny soroko hilavo hiala amin'gny tolan-soroko, dra aoky gny sandriko ho tapaky amin'gny tonon-tolany.23Akory natahosy gny fahapoteha lat'amin'Agnahary zaho; nohon'gny voninahiny, dra sy afaky nano reo raha reo zaho.24No nanao gny volamena ho fagnatenako zaho, sady no nizaka tamin'gny volamena soa zaho ho: 'Hanao gny atokisako';25no nifaly nohon'gny halahiben'gny hareko zaho, akory nahazo fanagna maro gny tagnako, dra manday fiapanga anahy!26No nahita gny masoandro zaho nofa namirapirasy zay, na gny vola mandehandeha amin'gny famirapiratany,27vo no voasariky mangingiky gny foko, hany ka nagnoroky gny tagnako so hisiriria andreo gny sogniko---28dra ho heloky bevava hosazian'ireo pisara avo koa zay,akory fa nanda gny Zagnahary ze ao ambony zaho.29No nifaly tamin'gny fahapotehan'izay nalay anahy zaho na niarahaba vata nofa trasin'gny loza izy, dra manday fiapanga anahy!30Eka vatany, sy nengako hanota aby gny vavako tamin'gny fangataha gny ainy tamin'gny ozo.31No sy mbo nizaka akory reo olo ao amin'gny laiko ho: "Ia gny afaky mahita gny sy visin'gny sakafon'i Joba'32(na gny vahiny az dra sy voatery nizano teo an-kianzan'gny tana, akory nanokasy gny varavarako ho an'gny pandeha avo zaho), vo no sy zay, dra manday fiapanga anahy!33No, nagnavony reo fahotako tamin'gny fagnazaria gny heloko tao agnatin'gny akazo lavako, manahaky gny olombelo zaho34(akory natahosy gny maro agn'isa zaho, akory napihorohoro anahy gny sy fidarian'gny fianakavia, hanyka nisigny zaho dra sy nandeha tagny ivelany), dra manday fiapanga anahy!35Indrisy, no mbo nisy olo niteno anahy moa! Ingo, tahoky gny soniako; aoky hamaly anahy gny Tsitoha! No mbo nana gny fiapanga ze nosoratan'gny panohisy anahy moa zaho!36Handay anizay eo an-soroko vatny zaho, hanaovako manahaky gny satro-boninahisy zay.37Hagnmbara aminazy gny isan'gny liako zaho; manahaky gny andriandahy mahatoky gny hekarako agny aminazy.38NO mitaray manohisy anahy gny taniko, dra mindray mitomagny gny baingany,39no nihina gny vokany fe sy nandoa anizy zaho na nahavy reo topmponu hamy gny ain'ereo,40dra aoky reo silo gny hisiry fa sy vary dra tsiparifary fa tsy vary ordea." Tapisy gny zakan'i Joba.
Chapter 32

1Dra nizano sy namaly an'i Joba sasy reho telo lahy reho akory mary teo amasony avo izy.2Vo dra nirehisy gny hahorian'i Eliho zanadahin'i Barakela gny Bozita, lat'amin'gny foko Rama; nirehisy tamin'i Joba zay akory nagnamary gny vatany izy no tokony ho Zagnahary.3Nirehisy tamin'ereo telo lahy namany avo koa gny hahorian'i Eliho akory sy nahita zaka havaly an'i Joba ereo, sady mbo nomelohin'ereo avo i JOba.4Vo Eliho dra niamby gny hiresaky tamin'i Joba akory reho lelahy hafa reo dra lahibe noho izy.5Fe, nofa hitan'i Eliho fa sy nisy zaka havaly an'i Joba teo ambavan'ereo telo lahy reho, dra nirehisy gny hahoriany.6Vo Eliho zanadahin'i Barakela gny Bozita nizaka fatrasy dra nanao ho: "Tanora zaho, vo handrareo dra fa vatany antisy. Ka zay antony nisalasalako dra nahasakiako nizaka tamindrarei gny heviso manoka.7Ho zaho ho: " Gny halavan'gny andro gny tokony hizako; gny tao maro gny tokony hapianasy fahendre.8Fe misy fagnahy ao amin'gny olo; gny fofonain'gny Tsitoha gny magnome anazy fahazavan-say.9Sy ze olo lahibe avo gny hendry, na reo olo nahazo taoavo gny mahatakasy gny rariny.10Noho zay da ho zaho amindrareo ho: 'Tenoy zaho; hambarako amindrareo avo koa gny fahalalako.'11Ingo, niamby gny zakandrareo zaho; niteno gny fandresen-dahasindrareo zaho no nieriserisy ze ho zaka handrareo.12Niteni soa andrareo vatany zaho, fe, ingo, sy nisy ndre dra raiky tamindrareo aza afaky nandresy lahasy an'i Joba na afaky namaly reo zakany.13Tandremo so sy hizako ho: 'Fa nahita fahendre zahay!' Zagnahary dra sy mainsy handresy an'i JOba; no olon-tsotry sy afaky gny hanao anizay.14Akory i Joba sy nizaka mivata taminahy, dra sy hamaly anazy amin'gny zakandrareo zaho.15Sy nahaloa-bava reho telo lehy reho; sy nahavaly an'i Joba sasy ereo; sy nana zaka ho zaka sasy ereo.16Tokony hiamby ra zaho akory sy mizako ereo, akory misanga eo ereo dra misigny sady sy mamaly sasy?17Aha, hamaly amin'gny anzarako koa zaho; ho zakako andreo avo koa gny fahalalako.18Akory mana zako maro ho zakay zaho; gny fagnahy ze ato agnatiko gny misery anahy.19Ingi, manahaky gny divay milo ze sy misy hiboahany gny tratrako; manahaky gny siny holisy vaovao, ze fa hitriasy.20Dra hizaka zaho so hamelombelon'ay anahy; hanokasy gny sogniko zaho dra hamaly.21Sy hanoro fiangara zaho; sady sy hagnome fitokava mihaza ndre amin'ia ndre amin'ia.22Akory sy haiko gny magnome fitokava sahala anizay; no nanao anizay zaho, dra hangalaky anahy zy ho ela gny Mpahary anahy.
Chapter 33

1Koa androany, ry Joba, mengavy aniha zaho, mandrenesa gny lahazkako; tenoy gny zakako aby.2Ingo amizao, fa manokasy gny vavako zaho; fa mizako tao am-bavako gny lelako.3Boak'amin'gny fahisian'gny foko gny zakako; magnambara fahalala malio gny sogniko.4Gny Fagnahin'Agnahary gny nano anahy; gny fofonain'gny Tsitoha gny nagnome fahveloma anahy.5No anoniha ahy; valio zaho; alaharo eto agnatrehako gny zakako dra misana.6Ingo, manahaky aniha avo zaho eo amason'Agnahary; namboary boaky tamin'gny tanimanga avo koa zaho.7Ingo, sy hapatahosy aniha gny horohoroko; na havesasy aniha gny sindriko.8Nizaka teo an-sofiko vatany hanao; reko gny feon'gny zakaniha nanao ho:9' Malio zaho sady sy misy heloky; sy manan-signy zaho, sady sy misy ota aminahy ato.10Ingo, mahita iriky hizeragny anahy Zagnahary; rambesiny ho sahala gny fahavalony zaho.11Hatobokiny amin'gny hazo boloky gny tomboko; dinihiny aby gny lalako.'12Ingo, amin'izeho gny mahadiso aniha---hamaly aniha zaho, akory lahibe noho gny olo Zagnahary.13Nagnino hano gny mialy aminazy? Sy magnisa ndre ino ndre ino amin'ize ahiniha Izy.14Fa mizaka ndraiky mandeha Zagnahary---eka, indro, ndre dra sy sikarisy gny olo aza zay.15Ao agnaty nofy, ao agnaty fahita amin'gny hariva, nofa avy amin'gny olo gny torimaso laliky, nofa ao agnaty faharendreha eo am-pandria---16dra manokasy gny sofin'gny olo Zagnahary, sady mapitahosy andreo amin'gny horohoro,17so hisitogna gny olo hiala amin'gny tanzaony feno fahota, vo hagnalavira gny fieboeboa aminazy.18Zagnahary gny miaro gny ain'gny olo amin'gny lavaky, gny ainy sy hiepita ho agny amin'gny fahafatesa.19Faizy amin'gny fahararia eo am-pandria avo koa gny olo, mindray amin'gny fangirifiri sy mizano ao amin'gny tolany,20so halay hany gny ainy, sady halay hanim-be gny fagnahiny.21Levo gny nofony so sy ho hita; gny tolany, ze sy hita taloha, dra mitrakitraky amizao.22Eka vatany, magnariny lavaky gny fagnahiny, vo gny ainy marin'ireo ze misiry gny hanorotono anizay.23Fe no misy anzely raiky afaky gny ho pagnelagnela ho anazy, dra pagnelagnela raiky, boak'amin'ireo anzely agnalignaly, so hapiseho anazy ze mety hahy,24vo no malemy fagnahy aminazy gny anzely dra mizaka amin'Agnahary ho: 'Vonzeoso dy hitily agny an-davaky tiky olo tiky; fa nahita vilim-pagnavota ho anazy zaho.'25vo dra hazary ho vaovao noho gny an'gny zaza gny nofony; dra hihery amin'gny andro tamin'gny herin'gny fahatanorany izy.26Hivavaky amin'Agnahary izy, dra halemy fagnahy aminazy Zagnahary, so hahitany gny tarehinAgnahary amin'gny fifalia. Homen'agnahary an'gny olo gny fandreseny.27Dra hihira eo agnoloan'gny olo hafa zeho olo zeho dra hanao ho: 'Nanota zaho ka namaliky ze mary, fe sy nofaizy gny fahotako.28Namonzy gny fagnahiko sy hizoso agny an-davaky Zagnahary; hahita agny fahazava hatragny gny fiaignako.29Ingo, manao reo raha reo amin'gny olo raiky Zagnahary, indro, eka, intelo aza,30so handay gny fagnahiny hihery boakagny an-davaky, so ho hazava amin'gny fahazavan'ay izy.31Mitandrema, ry Joba, dra mitenoa anahy; misigna dra tenoy zaho.32Nomisy hambara hanao, dra valio zaho; mizaka, fa magniry gny hagnaporoso zaho fa mary hanao.33No sy zay, dra tenoy zaho; misigna, dra hapenariko fahendre hanao."
Chapter 34

1Fagnapin'izay, dra mbo nizaka i Eliho ho:2" Tenoy gny zakako, ry lelahy hendry; tenoy zaho, handrareo ze mana fahalala.3Fa gny sody dra mahare gny zaka manahaky gny hasapan'gny lela gny siron-kany.4Aoky sika hisafidy ze rariny ho asika: aoky sika samby hahita gny soa eo amisika.5Fa i Joba nizaka ho: 'Mary zaho, fa nalan'Agnahary gny zoko.6Ndre ino ndre ino zoko, dra rambesy ho pavandy zaho. Sy azo sitragny gny ratrako, ndre dra sy nanota aza zaho.'7Fa lelahy ino i Joba, ze mino gny fagnamavoa manahaky gny rano,8ze mandeha etoky vo erihoky mindray amin'ireo panao rasy, sady mindray lala amin'gny olo rasy fagnahy?9Fa nizaka izy ho: 'Sy hahazoan'gny olo tombony gny miravoravo amin'gny fanaova ze tian'Agnahary.'10Dra tenoy zaho, ry lelahy mana fahazavan-say: sagnatria amin'Agnahary ane gny hanao rasy; sagnatria amin'gny Tsitoha ane gny hanota.11Akory mamaly gny asan'gny olo izy; ahiny tody amin'gny valisoan'gny lala nisafidiny gny olon'aby.12Eka vatany, sy mbo manao rasy zagnahary, na hamaliky gny rariny mandrakizay gny Tsitoha.13Ia gny napiandraikisy anazy gny tany? Ia gny nametraky gny tany raiky manotolo teo ambaniny?14No izy avo gny hifatohan'gny vatany, sady no mihery mamory gny fagnahiny vo gny fofofnainy aminazy avo izy,15dra hindray ho botany gny olombelo.16No mana fahazavan-say hanao amizao, dra tenoy zao; tenoy gny feon'gny zakako.17Afaky gny handay ra gny olo raiky ze malay gny rariny? Ho helohiniha ra Zagnahary, zay mary sady mahery?18Zagnahary, ze mizaka amin'gny pazaka ho: ' Mapadikidiky hanao,' na koa mizaka amin'ireo manan-kaza ho: 'rasy fagnahy handrareo'?19Zagnahary, ze sy miangasy amin'ireo panday sady sy magnome lanza reo pangarivo mihoasy reo mahantra, akory azan'gny tagnany aby ereo.20Ao agnatin'gny fotoa fohy ereo dra ho faty; amin'gny sasak'aly dra ho voahozongozo gny olo dra ho faty; ho ala avo koa gny olo mahery, fe sy amin'gny tagnan'olombelo.21Fa gny mason'Agnahary dra eo amin'gny lalan'gny olo; hitany aby reo dinga ahiny.22Sy misy ezy, na ezim-pito hivonian'ireo panao gny sy rariny.23Fa sy mila mandiniky gny olo sasy Zagnahary; sy misy antony handehanan'gny olo ho saray eo agnatrehany.24Potipotehiny reo lelahy mahery nohon'gny lalan'ereo ze sy hila fanadihadiha sasy; hapetrany amin'gny toerany aby gny hafa.25Vo zeho gny hahafatarany gny asan'ereo; amin'gny hariva gny handravany riho olo riho; ripaky ereo.26Eo amason'gny hafa, bono manahaky gny malaso ereo nohon'gny asa rasy vitany27akory nivaliky sy nagnaraky Anazy ereo sady sy nety nagneky ndre raiky aza tamin'gny lalany.28Tamin'izeho, dra nahin'ereo avy teo amin'gny tomagnin'ereo mahantra; dra reny gny tomagnin'ireo olo napahoria.29Nofa mangiky Izy, ia gny afaky hagnameloky Anazy? No havoniny gny tarehiny, ia gny hahita Anazy? Mitovy gny fanapahany gny firene vo gny kiraikiraiky,30So sy ho afaky hanapaky gny olo pagnarasy, so sy hisy ndre raiky aza hamandriky gny olo.31No ahy ho misy olo raiky mizaka amin'Agnahary ho: 'Meloky vatany zaho, fa sy hanota sasy;32apianaro anahy gny raha sy mety hitako; nanota zaho, fa sy hapihery anizehi sasy.'33Dra mihevisy ra hanao fa ho sazin'Agnahary nohon'gny otan'izeho olo zeho, akory sy tianiha gny ahin'Agnahary? Aoky hanao gny hisafidy, fa sy zaho. Dra zakao gny fataniha.34Gny olo mana fahazavan-say dra hizaka aminahy ho--- eka vatany, ze lelahy hendry aby mahare anahy dra hizaka ho:35'Mizaka sy am-pahalala i JOba; sy misy fahendre gny zakany.'36No ma nisaray tamin'gny ansipirihiny keliky loasy tamin'gny tranga nahazo anazy moa i Joba nohon'gny firesany manahaky gny olo rasy fagnahy.37Fa apiany fikomia gny fahotany; miteha-tagna am-pagnesoa eo agnivosika izy; mamory zaka agnohera an'Agnahary izy."
Chapter 35

1Ho fagnapin'izeho i Eliho dra mbo nanohy. nizaka ho:2"Mihevisy ra hanao fa mary zeho nofa mizaka hanao ho: 'Gny zoko eo agnatrehan'Agnahary?'3Akory hanao nagnotany ho: 'Ino gny asan'izeho aminahy?' vo ho: 'Ho soa loasy ra zaho no nanota?'4Hamaly aniha zaho, hanao vo reo sakezaniha.5Atio gny lagnisy, dra atio zeho; atio gny lagnisy, zay abo noho hanao.6No nanota hanao, dra ino gny rasy nahiniha an'Agnahary? No mivory nloasy gny fandikan-dalaniha, dra ino gny ahiniha Aminazy?7No mary hanao. dra ino gny afaky homeniha Anazy? Ino gny ho rambesiny lat'amin'gny tagnaniha?8Gny faharasianiha dra mety handrasy olo raiky, amin'gny maha-olo aniha, vo gny fahamarigna dra mety hahasoa gny zanaky gny olo hafa.9Nohon'gny asa fapahoria maro, dra mitaray gny olo; mila vonzy lat'eo an-sandrin'ireo olo mahery ereo.10Fa sy misy ndre ia ndre ia mizaka ho: 'Eza Zagnahary gny Mpahary anahy, zay magnome hira amin'gny hariva,11zay mapianasy bebe loasy asika noho gny hapianariny reo bibidian'gny tany, dra ze manao asika ho hendry noho reo voron'gny lagnisy?'12Any ereo gny mitaray, fa Zagnahary sy magnome valiny andreo nohon'gny fieboebon'gny olon-drasy.13Sy hahare gny fitomagnia mola vatany Zagnahary; sy hidary anizeho gny Tsitoha.14Akory gny hakelikin'gny hamaliany aniha no mizak hanao sa dy mahita Anazy, fa gny aliniha dra eo agnatrehany, dra miamby Anazy hanao!15Akory gny hakelikin'gny hamaliany aniha no mizaka hanao fa sy magnafay ndre ia ndre ia amim-pahoria mihisy Izy, sady sy midary loasy gny avognavon'gny olo Izy.16Dra nanokasy gny vavany so hizaka fahamola avo i Joba; namory zaka sy am-pahalala izy."
Chapter 36

1Nanohy avo Eliho dra nizaka ho:2" Mamela anahy hizaka lavalava kokoa, dra haneho raha aniha zaho akory mbo misy keliky ho zakako ho ferova an'Agnahary.3Hahazo gny fahalalako avy lavisy zaho; hieky zaho fa gny fahamarigna dra an'gny Mpahary anahy.4Fa eka vatany, sy ho diso reo zakako; olo matosy ao amin'gny fahalala gny eto aminiha.5Ingo, Zagnahary dra mahery, sady sy mamingavinga ndre ia ndre ia; mahery amin'gny herin'gny fahazavan-say Izy.6Sy miaro gny ain'gny olo rasy fagnahy Izy fa koa manao ze mary ho an'ireo ze mizaly.7Sy mangalaky gny masony amin'ireo olo mary Izy fa koa mametraky andreo mandrakizay manahaky gny pazaka, dra misandrasy ereo.8No voafatosy tamin'gny rozo sady voafandriky tamin'gny talin'gny fapizalia ereo,9dra ambarany amin'erep ze nahiny, vo gny helok'ereo vo gny fieboebon'ereo.10Manokasy gny sofin'ereo ho amin'gny fapianarany avo koa Izy, dra mandily andreo so hiala amin'gny heloky.11No miteno Anazy sady manopo Anazy ereo, dra handany gny andron'ereo amin'gny fagnambigna, vo gny taon'ereo amin'gny fifalia.12Ndre zeho aza, no sy miteno ereo, dra ho vono amin'a,esa; ho faty ereo akory sy manam-pahalala.13Mitahiry gny hahoriany reo pagnarasy am-po; sy mitoka vonzy ereo ndre dra mamatosy andreo aza Zagnahary.14Maty eo amin'ireo pizangazanga amin'gny fivavaha gny andron'ereo.15Zagnhary mamonzy reo olo napahoria amin'gny alalan'gny fahorian'ereo; manokasy gny sofin'ereo amin'gny alalan'gny fapahoria andreo Izy.16Eka vatany, te-hangalaky aniha amin'gny fahoria ho agny amin'gny toera malalaky ze sy misy raha sarosy sady ze androsoa sakafo feno sabora amin'gny latabasiniha Izy.17Fe hanao dra feno fisara gny olo rasy fagnahy; nita aniha gny fisara vo gny rariny.18Ka enga hitao aniha ho amin'gny fagnesoa gny hahorianiha, na hapivio aniha gny halahiben'gny vilim-pagnavota.19Afaky magnome tombony aniha se gny hareniha, so sy ho ao agnatin'gny fahoria hanao, sa afaky magnapy aniha se gny herin'gny fahatazahaniha aby?20Ka magniry gny hariva, so hanota hagnohera reo hafa, nofa ala eo amin'gny toeran'ereo gny olo.21Mitandrema so hihery hanota hanao akory fa nisedray tamin'gny fapizalia hanao so hagnalaviraniha gny fahota.22Ingo, misandrasy amin'gny heriny Zagnahary; ia gny napianasy manahaky Anazy?23Ia gny fa napianasy Anazy gny amin'gny lalany? Ia gny mbo afaky hizaka Anazy ho: 'Fa nanao gny sy mary HAnao?24Sarovy gny misiriry reo asany, zay nihiran'gny olo.25Fa nagnety reho asa reho gny olo aby, fe lat'egny lavisy avo gny ahitany reho asa reho.26Ingo, lahibe Zagnahary, fe sy azosika soa Izy; sy hay kazia gny isan'gny taony.27Fa magnalaky reo rano nitete ze nasikany ho ora lat 'amin'gny entony Izy,28ze arosaky gny raho vo antondrakiny be amin'gny olombelo.29Eka vatany, misy olo mahatakasy gny halahiben'gny fielezan'gny raho vo gny kotroky lat'ao amin'gny fasangeny se?30Ingo, magnaparitaky gny selasiny magnodidy Anazy Izy sady mandrakosy reo fanambanin'gny ranomasy.31Amin'izeho fomba zeho gny hisarany reo olo vo hagnomezany sakafo mitafotafo.32Mameno selasy gny tagnany Izy mandra-pandiliany zeho so hizera gny marik'izeho.33Gny kotrok'izeho dra mapitandry gny amin'gny tafio-drivosy, gny biby fiteza avo koa dra afaky mandre fa tamy zeho.
Chapter 37

1Eka vatany, mihorohoro amin'izeho gny foko; miala amin'gny toerany.2Tenoy, oh, tenoy gny fikotaban'gny feony, gny feo ze miboaky lat'amin'gny vavany.3Mandefa anizeho egny ambany lagnisy manotolo Izy, dra mandefa gny selam-pahazavany hatragny amin'gny sisin-tany.4Misy feo mierosy afaran'izeho; mikotrokotroky amin'gny feon'gny voninahisiny Izy; sy manaka gny sela-pahazava hiselasy IZy nofa re gny feony.5Mahalasa gny fikotrakotroky gny feon'Agnahary; manao raha lahibe ze sy takasisika Izy.6Fa ho Izy amin'gny oram-panala: ' MIlasaha egny amin'gny tany"; manahaky anizeho koa gny ranon'ora: ' Mizaria ho rosak'ora mivatravatra be'.7Mapizano gny tagnan'gny lelahy kiraikiarajy amin'gny asany Izy, so hahafahan'gny olo aby ze namboariny hahita reo asany.8Dra milisy ao amin'gny fivoniany koa ireo bibidia ka mamisaky agny an-zohiny.9Gny tafio-drivosy avy lat'agny amin'gny efisiny lat'agny asimo, vo gny hasiaky lat'amin'gny fiparitahan'gny rivosy lat'agny avarasy.10Amin'gny alalan'gny fofonain'Agnahary gny mapisy gny ranomandry. Mivainga manahaky gny vy gny rano be midadasiky.11Magnavesasy gny raho matevy amin'gny hamandoa vatany Izy; mapiely gny sela-pahazavany amin'gny raho Izy.12Manodikody gny raho araky gny fitarihany Izy, so hahafahan'ereo manao ze andiliany andreo eo ambonin'gny velaran'izao totolo zao.13Ahiny miseho zeho iaby zeho; kindraikindraiky dra mitranga anizeho ho fagnisia, kindraikindraiky ho an'gny taniny, vo kindraikindraiky ho gny asan'gny faneke mahatoky.14Tenoy izeho, ry Joba; mizanogna dra saino gny momban'ireo asa mahalasan'Agnahary.15Fataniha se gny faneren'Agnahary amin'gny sitrapony amin'gny raho vo fanaovany gny sela-pahazava hiselasy ao amin'ireo?16Takasiniha se gny fihevahevan'gny raho, reo asa mahalasan'Agnahary, zay tonga lafasy amin'gny fahalala?17Takasiniha se gny mahavy reo akazoniha hafana nofa tosy gny tany akory avy lat'agny asimo gny rivosy?18Hanao se afaky mamelasy gny habakabaky manahaky gny ahiny--- dra gny abakabaky, zay fatrasy manahaky gny fitarasy manganohano vita amin'gny vy voarendriky?19Ba apianaro anay ra ze tokony ho zakanay aminazyaminazy, fa zahay sy mahavita mandahasy reo tohan-kevisinay nohon'gny fahamezignan'gny fisainanay.20Tokony hizaka ze tiako zaka aminazy se Izy? Misy olo magniry gny ho voately se?21Amizao, sy afaky magnety gny masoandro nofa mamirasy egny amin'gny habakabaky se gny olo afaran'gny fandalovan'gny rivosy ka napisavany gny raho.22Lat'agny avarasy gny hihavian'gny famirapirata volamena--- voninahisy mapatahosy gny eo amin'Agnahary.23No gny amin'gny Tsitoha, sy afaky mahita Anazy sika! Izy dra lahibe amin'gny fahefa; sy mapahory gny rariny Izy sady be fahamarigna.24Noho zeho, matahosy Anazy gny olo. Sy magnety reo ze mihevi-tegna ho hendry aby Izy."
Chapter 38

1Boakeo dra nitoka an'i Joba lat'ao amin'gny tafio-drivosy mahery vaiky Yaveh dra nanao ho:2" Ia tihoky manday ezy amin'ireo fikasa amin'gny alalan'gny zaka sy misy fahalala tihoky?3Apisikino manahaky gny lelahy gny valahaniha fa hametra-pagnotania aminiha Zaho, dra sy mainsy mamaly Anahy hanao.4Teza hanao tamy nanony gny fotosy gny tany Zaho? Zakao Anahy, no tena mana fahazavan-say be hanao.5Ia gny namarisy reo refiny? Zakao Anahy, no fataniha. Ia gny nagnenza gny taly fandrefesa teo aminazy?6Tamin'gny ino gny nametraha gny fotony? Ia gny nametraky reo vato fehizorony7nofa niaraky nihira gny vasian'gny maraindray dra hikiaky fifalia reo zanak'Agnahary aby?8Ia gny nandily gny ranomasy tamin'gny vatrangara nofa vaky anizeho, no niboaky manahaky gny tao am-bohoky anizeho---9nofa nanao reho raho ho fitafiany Zaho, vo ezim-pito ho fonony?10Zeho dra tamin'gny namaritako gny farisy amin'gny sisin-dranomasy, vo tamin'gny nametrahako gny hily vo vatrangarany,11dra tamin'gny nitenenako taminy ho: 'Mety ho avy hatreo hanao, fe sy hihoasy lavisy; eto gny hametrahako gny fetra amin'gny fisafoaky gny onzaniha.'12Hatramin'izeho nanombohan'gny androniha, fa nagnome beko gny maraindray hiposaky se hanao, sady nahavy gny mangiran-drasy halala gny toerany eo amin'gny filahasy gny raha aby, 13so hitanany reo zoron'gny tany dra hiozongozo hiala eo aminazy gny olo rasy fagnahy.14Niova manahaky gny fiovan'gny tanimanga ambanin'gny tombo-kase gny endriky gny tany; gny raha aby eo aminazy dra miavaky mazava soa manahaky gny fivalognan'gny lamba. 15Lat'amin'ireo olo rasy fagnahy gny nangala gny hazavan'ereo; gny sandry misondrotr'ereo dra nitapahy.16Fa nandeha tagny amin'gny loharanon-dranomasy se hanao? Fa nandeha tagny amin'gny laliky ambany loasy se hanao? 17Fa naseho taminiha se reo vavahadin'gny fahafatesa? Fa nahita reo vavahadin'gny aloky gny fahafatesa se hanao? 18Fa nodinihinia se gny fivelaran'gny tany? Zakao Anahy, no fataniha aby zeho.19Eza gny lala magnagny amin'gny toera fisaharab'gny fahazava--- manahaky zeho gny ez, eza gny toerany? 20Afaky mitariky gny hazava vo gny ezy agny amin'ireo toeram-piasan'ereo se hanao? Hitaniha se gny lala mihery magnagny am-pasangen'ereo? 21Fataniha sy am-pisalasala zeho, akory fa teraky tamin'izeho hanao; lava dra lava vatany gny isan'gny androniha!22Fa nilisy tao amin'gny fasange fitehiriza gny ranomandry se hanao, ndre fa nahita gny fasange fitehiriza gny havandra se hanao, 23reo raha ze nitahiriziko ho amin'ireo fotoam-pahoria, ho amin'ireo andron'gny aly? 24Eza gny lala hiselaran'gny varasy na miparitaky magneza geto amobin'gny tany reo sioky lat'agny asinagna?25Ia gny nihaly reo lalan-drano ho an'gny tondrak'ora, na ia gny nanorisy gny lalan'gny fipoahan'gny varasy, 26so hapilasaky gny ora egny amin'ireo tany ze sy misy olo, vo egny amin'gny tany efisy, ze sy misy ndre ia ndre ia, 27so hahatateraha reo filan'ireo tany karakay vo efisy, ka hapisimoky gny ahi-mainso?28Manan-dra se gny ora? Ia gny niteraky gny ranon'ando? 29Trokin'ia gny niavian'gny ranomandry? Ia gny niteraky gny fanala lat'agny an-danisy? 30Mivony gny rano sady nazary sahala amin'gny vato; nazary mivainga gny fanambonin'gny laliky.31Afaky misery reo rozo amin'ireo Ikotolkelimiadilaona se hanao, na mamaha gny talin'gny Telonohorefy? 32Afaky mitariky reo vasia so hisaho amin'gny fotoa tokony ho izy se hanao? Afaky mitariky gny Bera mindray amin'ireo zanany se hanao? 33Mahafatasy gny lalagnan'gny lagnisy se hanao? Afaky mametraky gny lalagnan'gny lagnisy ambonin'gny tany se hanao?34Afaky mapiaka-peo hatrany amin'gny raho se hanao, so handrakoafan'gny ranon'oram-be hanao? 35Afaky mandefa selasy se hanao so hahafahan'ereo miboaky, so hizakan'ereo ho: 'Tahoky zahay?'36Ia gny nametraky fahendre tagny amin'gny raho na nagnome fahazavan-say tamin'gny zavo? Ia gny afaky magnisa gny raho amin'gny fahaizany? 37Ia gny afaky manondraky gny fitoeran-dranon'gny lagnisy 38nofa mitambasy ho fotaky lahibe gny botan sady mirekisy reo bainga-tany?39Afaky misambosy haza ho an'gny liona vavy se hanao na magnome fahafaham-po gny haresen'ireo liony tanora 40nofa mamisaky ao amin'gny fitoerany sady manotriky ao amin'gny kirihisy ereo?41Ia gny mamasy haza ho an'ireo goaiky nofa mitaray amin'Agnahary sady mivembe nohon'gny sy fahampian-sakafo reo zanany?
Chapter 39

1fataniha se ho amin'gny fotoa ino gny iterahan'gny osi-dia gny zanany egny amin'gny vatolapy? Voadinikiniha se nofa miteraky gny zanany gny diera vavy? 2Voaisaniha se reo vola handesan'ireo vohoky ? Fataniha se gny fotoa hiterahany reo zanany?3Miodriky ereo dra miteraky gny zanany, vo dra tapisy gny fahararian'gny fiteraha. 4Mihamatazaky sady mitombo egny amin'gny saha lahibe reo zanany; lasa ereo dra sy mihery sasy.5Ia gny manenga malalaky gny boriki-dia andeha? Ia gny namaha gny fatoran'gny ampondra-dia, 6ze fa nagnamboarako fonegna agny araba, gny fasangeny agny amin'gny tanin-sira?7Mihomehy am-pagnaseo gny tabataba ao an-tana izy; sy mahare gny hiakin'ireo pandroaky izy. 8Mirerirery egny an-tendrombohisy fihinanam-bilony izy; agny izy gny mitalia gny ahi-maiso aby hohany.9Ho faly hanopo aniha se gny agnombi-dia? Hagneky gny hizano eo amin'gny fihinana namboary se izy? 10Mahafehy gny agnombi-dia amin'gny taly so hamadihany gny bainga se hanao? Handravogna gny lohasaha ho aniha se izy?11Hatoky anazy se hanao akory lahibe gny heriny? Hanenga gny asaniha so ho ahiny se hanao? 12Hiantehisy aminazy so handay gny variniha agny am-pasange , dra hamory gny vary ho eo amin'gny famoloa se hanao?13Gny elasy gny ostritsa dra mikopakopaky am-pirehareha, fe misy fita se gny elasiny vo gny volony? 14Akory manenga reo atoliny egny amin'gny tany izy, dra engany hafana ao amin'gny botany ireo; 15halignony fa mety hisy tomboky hanorotoro na mety hisy bibi-dia hagnisakisaky andreo.16Mapizaly reo zanany izy manahaky gny ho sy anazy reo; sy matahosy izy ndre dra mety ho very maina aza gny asany, 17akory Zagnahary nangalaky taminazy gny fahendre sady sy nagnome anazy fahalala. 18Nofa milomay mafy izy, dra hiomehezany am-pagnesoa gny sovaly vo gny pitikisy anazy.19Sa ra nomeniha gny heriny gny sovaly? Nipiakazo gny vozony tamin'gny volony mihofahofa se hanao?20 Fa napisambiky anazy manahaky gny valala se hanao? Mapatahosy gny hafatrasin'gny fiefonefony.21Mibitaky amin'gny heriny izy sady miravoravo amin'gny tazakiny; miboaky malaky hisena gny fitovam-pialia izy. 22Magneso gny tahosy izy sady sy reki-tahosy; sy mihemosy amin'gny mesa izy. 23Mifioky eo agnilany gny zana-sipiky, mindray amin'gny lefo manzelasy sady lefom-pohy.24Mitely tany amin'gny fahavignira vo hahoria izy; amin'gny fagnenon'gny anzomara, sy tafazano amin'gny toera raiky izy. Ndre ombia ndre ombia gny hagnenon'gny anzomara, dra ho izy ho: 'Aha!' 25Manimbolo gny aly lat'agny lavisy izy--- dra gny kotaba fatrasin'gny pifehy vo gny koraky.26Lat'amin'gny fahendreniha se gny mapitily gny hisikisiky, dra hamelarany gny helany ho agny asimo?27Amin'gny bekoniha se gny hiakaran'gny voromahery vo hagnamboarany gny fasange amin'gny toera abo? 28Mivelo eo amin'gny harambato izy sady magnamboasy gny akaniny eo amin'gny tendron'gny harambato, zay ferova fatrasy.29Lat'egny gny hotaliavany gny hazany; mahita andreo lat'egny lavisy egny gny masony. 30Mino lio avo koa gny zanany; zay toera misy fatin'olo, dra egny izy."
Chapter 40

1Vo Yaveh nanohy niresaky tamin'i Joba; ho izy ho: " 2Tokony hagnandra hagnisy gny Tsitoha se gny olo mana-pagniria hagnarasy? Izy ze mifandahasy amin'Agnahary, dra aoky izy hamaly."3ra namaly an'i Yaveh dra nanao ho: 4" Ingo, sy misy dikany zaho; akory gny hamaliako Aniha? Apetrako amin'gny vavako gny tagnako? 5Nizaka ndraiky mandeha zaho, dra sy hamaly sasy; eka, indro, fa sy hanohy mihoasy an'izeho zaho."6Dra namaly an'i Joba tamin'gny tafio-drivosy masiaky Yaveh dra nizaka ho: 7" Apisikino manahaky gny lelahy gny valahaniha, fa hametra-pagnotania aminiha Zaho, dra sy mainsy mamaly Anahy hanao.8Sa hizaka vatana ra hanao fa sy mary Zaho? Hagnameloky Anahy se hanao so hizakaniha ho mary hanao? 9Mana-sandry manahaky gny Zagnahary se hanao? Mahay mapikotrokotro-peo manahaky Anazy se hanao?10Tafio voninahisy vo fahamendreha gny vataniha; mihengoa haza vo fahalahibiaza. 11Apielezo amin'gny dina gny fihoaran'gny hahorianiha; atio reo aby mirehareha dra ahetreo izy.12Atio reo aby ze mirehareha dra ahetreo izy; hisaho ambany eo amin'izeho isanganan'ero gny olo rasy fagnahy. 13Alevegno hindray eo amin'gny tany izy aby; gadra agny amin'gny toera mivony gny tarehin'ereo.14 Dra hagneky gny mahakasiky aniha koa Zaho fa gny tagnaniha akavagna avo dra afaky mamonzy aniha.15Atio se gny behomota, zay nahiko manahaky gny nanaovako aniha avo; mihina ahisy manahaky gny agnomby izy. 16Ingo, eo amin'gny valahany gny heriny; eo amin'ireo hozasy gny trokiny gny tazany.17Manao gny rambony manahaky gny sedera izy; gny ozasy gny feny aby dra mitambasy. 18Gny tolany dra manahaky gny fanso saba; tombony dra manahaky gny bara vy.19Izy gny lahibe amin'gny zavaboarin'Agnahary. Zagnahary raiky avo, zay nanao anazy, gny afaky mandresy anazy. 20Fa reo havoa magnome sakafo anazy; reo bibi-dia egny an-saha dra mihisa eo mariny eo. 21Mipetraky ao ambanin'gny voahirana, ao agnaty volotara izy, ao agnaty lakan-drano izy.22Reo voahirana dra mandrakosy anazy amin'gny alokalokiny; reo hazomalahelon'gny lohasahan-driaky dra magnodidy anazy aby. 23Ingo, no tondraky gny moron'gny renirano, dra sy hangitakitaky izy; mahatoky izy, ndre dra hisamboaravoara hatregny ambonin'gny orony aza Jordana. 24Sa misy mahasambosy anazy amin'gny farango se, na mahasindro gny orony amin'gny fandriky?
Chapter 41

1Afaky misinto Levitiana amin'gny finta se hanao? Na mamatosy reo valagnorany amin'gny taly? 2Afaky magnisy taly eo amin'gny orony se hanao, na manindro gny valagnorany amin'gny alalan'gny finta? 3Hitalao fatrasy aminiha se izy? Hanao zaka malefaky aminiha se izy?4Hanao fifaneke aminiha se izy, fa tokony ho alainiha ho panopo mandrakizay izy? 5Hihisa hindray aminazy manahaky gny hiarahaniha amin'gny voro se hanao? hamatosy anazy ho an'gny panoponiha apela se hanao? 6Hialy varosy gny aminazy se reo vondron'gny pagnarato? Hifapizaran'ireo so havily amin'ireo pivarosy se izy?7Mahavita mandefo gny holisiny amin'gny fitovam-pihaza se hanao na gny lohany amin'gny lelam-pita? 8Apetaho eo aminazy ndraiky mandeha gny tagnaniha,dra ho saroaniha gny aly sady sy hanao anizeho sasy hanao. 9Ingo. gny fagnatenan'gny olo ze manao anizeho dra vandy; sa ra sy hisy hilavo amin'gny tany nohon'gny fahita anazy avo?10Sy misy olo feno hahoria dra saky hihansy Levitiana; koa, ia se gny afaky misanga eo agnatrehako? 11Ia gny nagnome raha Aniha volohany so hagnefako anazy? Ze iaby ambanin'gny lagnisy manotolo dra Anahy. 12Sy hisigny zaho mahakasiky gny tomboky gny Levitiana, ndre avo koa gny raha mahakasiky gny heriny, na mahasiky gny hasoan'gny bikany.13Ia gny afaky mangalaky reo fitafiany ivelany? Ia gny afaky milisy gny ferova misoso? 14Ia gny afaky manokasy reo vatrangaran'gny tarehiny--- voahodidy reo nifiny, zay horohoro?15 Gny lamosiny dra vita amin'ireo apinga misoso, mifanery manahaky gny fihilin'gny tombo-kase.16Gny raiky dra tena mifagneky amin'gny raiky hafa hany ka sy misy sioky afaky milisy eo agnelagnelan'ereo. 17Mifandray ereo; mifapirekisy, zeho dra so hahafahan'ereo hisaraky. 18Gny hazava mitarasy lat'amin'gny fierosiny; gny masony dra manahaky reo holimason'gny vo mangiran-drasy.19Dra fagnilo mirehisy gny miboaky gny vavany, miparitaky gny pitik'afo. 20Gny vavoriny dra miboaky setroky manahaky gny raha mangotraky ao agnaty vilagny eo ambony afo zay nikopaha ho vatany mahama. 21Gny fofon'ainy dra mapirehisy gny bain'afo hizary afo; afo gny miboaky lat'ao amin'gny vavany.22Ao amin'gny vozony gny hery, vo gny horohoro dra mandihy eo agnoloany. 23Mikamba gny fivalognan'ireo nofony; fatrasy orina eo aminazy reo; sy afaky ahesiky reo. 24Gny fony dra fatrasy manahaky gny vato--- eka vatany, fatrasy manahaky gny fikosoham-bary.25Nofa manondrosy gny vatan Izy, ndre reo zagnahary aza ho reki-tahosy; nohon'gny tahosy, dra mihemosy ereo. 26No mizera anazy gny mesa raiky, dra sy misy dikany zeho--- ndre gny lefo, sipiky, ndre fitova-pialia maragnisy hafa. 27Mieriserisy izy fa manahaky gny mololo gny vy, vo manahas=ky gny hazo lo gny saba.28Gny sipiky dra sy afaky mapilefa anazy; nizary lila aminazy reo vaton'gny asamotaly. 29Ahiny manahaky gny mololo reo langilang; mihomehy amin'gny firaondraona amin'gny fanidin'gny lefo izy. 30Gny tapany ambany dra manahaky reo vakim-bilagny maragnisy; manenga dian-kisaky eo amin'gny fotaky izy manahaky gny kodiaram-by fikosoham-bary.31Ahiny manahaky gny rano mangotraky agnaty vilagny gny laliky; ahiny manahaky gny vilagnin'gny hosotry maragnisy gny ranomasy. 32Magnazava ze nilalovany izy; misy mieriserisy fa fosy volo gny laliky.33An-tany etihoky dra sy misy mitovy aminazy, ze niforogny so hiay sy misy tahosy. 34Mahita gny raha aby ze mirehareha izy; izy gny pazaka ambon'ireo zanaky gny firehareha aby."
Chapter 42

1Dra namaly an'i yaveh i Joba dra nizaka ho: 2"Haiko fa hainiha hahy gny raha aby, fa sy hay sakagna gny tanzoniha. 3Ia zeho magnavony fikasa sy amin'gny fahalala zeho?' Eka vatany, nagnambara raha ze sy ho takosiko zaho, raha saro-takary loasy ho anay, ze sy mbo fatako.4Ho Hanao taminahy ho: 'Mitenoa, amizao, dra hizaka Zaho; hagnotany raha aminiha Zaho, dra hizaka Aminahy hanao.' 5Nahare gny mahakasiky Aniha tamin'gny siosion-dresaky zaho, fa amizao dra mahita Aniha gny masoko. 6Dra magnamavo gny vatako zaho; mibebaky amin'gny botany vo lavenoky zaho."7Dra nofa boaky nizaka reo zaka reo tamin'i Joba Izy, dra ho Yaveh tamin'i Elifaza gny Temanita ho: ' Mirehisy aminiha vo amin'ereo namaniha ro gny fahavignirako, fa sy nizaka gny mary mahakasiky Anahy handrareo, manahaky gny nahin'i Joba panopoko. 8Androany se, mangala agnomby lahy fito vo agnondry lahy fita ho an'gny vatandrareo, dra mandehana agny amin'i Joba panopoko, dra manolora fagnatisy oroa ho an'gny vatandrareo. Hivavaky ho andrareo i Joba panopoko, dra hagneky gny fivavakiny Zaho, so sy hamaliako amdrareo araky gny fahamolandrareo. Sy nizaka ze mary mahakasiky Anahy, manahaky gny nahin'i Joba panopoko handrareo." 9Koa dra nandeha sady nanao araky ze nandilian'i Yaveh andreo i Elifaza gny Temanita, i Bildada gny Sohita, vo i Zofara gny Namatita, vo Yaveh nagneky an'i Joba.10Nofa nivavaky ho an'ireo namany i Joba, dra naherin'Agnahary tamin'gny laoniny gny hareny. Nomen'i Yaveh avo ro heny mihoasy ze nanagnany teo aloha izy. 11Dra nandeha tagny aminazy reo rahalahin'i Joba aby, reo anabaviny aby, vo reo olom-patany teo aloha--- dra nisakafo nindray taminazy tao am-pasangeny. Nindray ory taminazy ereo sady napiengy anazy gny amin'ireo loza aby ze nalefan'i Yaveh taminazy. Samby nagnome volafosy madiniky vo perasy volamena an'i Joba aby gny olon'aby.12Nitahy gny andro farany niaignan'i Joba mihoasy noho gny tamin'gny volohany Yaveh; nana agnondry efasy arivo vo ray aly izy, rameva enina arivo, andian'agnomby arivo, vo boriky vavy arivo.13Nanan-zanaky lelahy fito vo zanaky apela telo avo koa izy.14Nitokavy ho Jemima gny vavimatoa, Kezia gny faharo, vo gny fahatelo dra Kerena-hapoka.15Sy nisy apela hita ho soa mihoasy an'ireo zanaky apelan'i Joba teo amin'gny tany aby. Nagnome lova ho andreo 16mbamin'ireo anadahiny gny ran'ereo. Tafaran'izeho, dra niay 140 tao i Joba; nahita reo zanany vo reo zafiny izy, hatramin'gny taranaky efasy nifandimby. 17Boakeo dra maty i Joba, no antisy sady visy andro.

Proverbs

Chapter 1

1Reo ohabolan'i Solomoma zanak'i Davida, Pazakan'Israely. 2Ty ohabola tahoky dra natao ba hapianasy fahendre vo torolala, hapianasy reo zakanigny fahalala, 3hahazoanao torolala ba hiay aminigny fanova gny mary, rariny, dragny hisiny.4Ty ohabola tahoky koa dra natao hagnome fahendre ho anigny kely say, dra hagnome fahalala vo fahamalia ho anigny tanora. 5Aoky gny olo-kendry hiteno dra hapitombo gny fahalalany, dra aoky gny olo mahay magnavaky hahazo tari-dala, 6ba hahatakasy reo ohabola, reo oha-pitenena, vo gny zakanigny olo-kendry mbamin'ireo akamatany.7Gny tahosy an'i Yaveh gny fiandoha-pahalala__gny mola magnamavo gny fahendre vo gny fapihara. 8Ry zanako, tenoy gny fapenaran-dranao dra ka miala aminigny fisipiky gny reninao; ho fehiloha soa tarehy ho anigny lohanao raiky dra rado mihaton'eo aminigny tendonao.10Ry zanako, raha mitalia haningosy anao ho aminigny fahotan'ereo gny panota, dra ka magneky hagnaraky anazy. 11Hara hoy ereo ho: "Avia hindray aminay, handeha sika hanohisy hamono olo, handeha sika hivony dra hamely olo sy mana-signy aminigny sy misy atony.12Handeha hatelisika velo reo, manahaky gny fangalanigny figna-sy Hita reo ze salama, dra hanao anereo hanahaky reo ze milasaky an-davaky. 13Ho hitasika reo karazan-draha sarobily aby; ho fenosika amize hangalarasika aminigny hafa gny tragnosika. 14Ario mindray aminay gny filokandrareo; hana poketra raiky avo sika aby."15Ry zanako, ka mandeha mizoso amize lalana zay mindray aminereo; ka anga hikasiky ze halehany gny tombokao; 16mihazakazaha ho aminigny rasy gny tombony dra maiky handasa-dio ereo. 17Fa sy misy dikany gny hamelarany harato hamandriha voro raha mitazana gny voro.18Mikotroky hamono gny vatany avo reo olo reo__ manao vela-pandriky ho anigny vatany ereo. 19Manahaky anizay koa gny lalanigny olon'aby ze mahazo harena aminigny sy rariny; gny harena azo aminigny sy rariny mangalaky gny ain'ireo ze mifikisy amizay.20Mivazavaza egny an-dala gny fahendre, mapiakasy gny feony egny akalamazana izy; 21egny amireo loha-lala mikotaba gny hitabatabany, egny aminigny fidiran'egny aminigny vavahadinigny tana gny hizakany ho: 22"Ho mandra-pahovia, handrareo ry olo kelik'asia, gny hitia gny habadoa? Ho mandra-pahovia, handrareo ry pandrabiraby, gny hakamamy gny fandrabirabia, dra ho mandra-pahovia, handrareo ry mola, gny hakahala gny fahalala?23Tandremo soa gny fagnanarako; hararako amindrareo gny fiheviso; hataoko fatandrareo gny zakako. 24Fa nitoka zaho, dra nanda gny hiteno anahy handrareo; nagnizisy gny tagnako zaho, singy sy nisy niraharaha. 25Fa nodiandrareo fany gny fapenarako aby dra sy nitenondrareo gny fagnanarako.26Hihomehy gny lozandrareo zaho, handasa andrareo zaho gny fa avy gny horohoro__27gny fa avy manahaky gny tafiosy gny fandringana mapatahosy dra mifoaky handrareo manahaky gny talio gny loza, gny fa avy amindrareo gny fahoria vo gny fangirifa.28Dra hitoka anahy ereo, fa sy hamaly zaho; hitoka fatrasy anahy ereo, fa sy hahita anahy. 29Akory makahala fahalala ereo dra sy nifily gny tahosy an'i Yaveh, 30sy nagnaraky gny fapenarako ereo, dra nagnamavo gny fagnanarako aby.31Hihina gny vokasy gny lalany ereo, dra gny vokasy gny teti-drasin'ereo gny hameno anazy. 32Fa voavono gny kely say gny fa mivily, dra hamotiky anazy gny sy firarahianigny mola. 33Fa na iza na iza miteno anahy dra hiteno apilamina dra ho voaaro sy hatahosy loza."
Chapter 2

1Ry zanako, raha mandray gny zakako hanao dra raketinao ao aminao reo didiko, 2dra aoky gny sofinao hitandry soa gny fahendre dra atongilagno ho aminigny fahaza-say gny fonao.3Raha mihiakiaky ho aminigny fahazava-say hanao dra mapiaka-peo ho amizay, 4raha mitalia anizay manahaky gny hitaliavanao volafosy hanao dra mitalia gny fahazava-say manahaky gny fitaliava harena miafy, 5dra ho fatasao gny tahosy an'i Yaveh dra ho hitanao gny fahalala an'Agnahary.6Fa magnome fahendre i Yaveh, boak'aminigny vavany gny hiavianigny fahalala vo fahazava-say. 7Mitahiry gny fahedre soa ho an'ireo ze akasitrahany Izy, Izy gny apingan'ireo ze mandeha aminigny fahisia, 8miamby reo lalanigny rariny Izy dra hiaro gny lalan'ireo ze matoky Anazy.9Dra ho sapanao gny fahamarigna, gny rariny, vo gny hisiny, dra gny lalana soa aby. 10Fa hidisy ao am-ponao gny fahendrena, dra hahafinarisy gny fagnahinao gny fahalala.11Hiaro anao gny fahamalia, dra hiambin'anao gny fahazava-say. 12Hagnavosy anao aminigny lalan-drasy reo, amireo ze mizaka raha-rasy, 13ze magnenga reo lalanigny fahamarigna dra mandeha aminigny lalanigny fahamezigna.14Mifaly ereo gny fa manao rasy dra finarisy aminigny fahavetavetanigny rasy. 15Magnaraky lala-meloky ereo, dra napiasa gny fitaky hagnavonia gny lalany.16Fahendre dra fahamalia gny hagnavos'anao aminigny apela zanga, aminigny apela rasy fitondratena vo gny zakany mandoka. 17Mahafo gny sakaizanigny fahatanorany ereo magnaligno gny fagnekeny taminigny Zagnahariny.18Fa gny tragnony mitariky aminigny fahafatesa dra reo lalany hinday anao ho amireo ze agny andolo. 19Ze midisy ao aminazy dra sy hihery sasy dra sy hahita gny lalanigny fiegna ereo.20Dra handeha aminigny lalanigny olo soa hanao dra hagnaraky reo lalanigny olo-mary. 21Fa reo manao gny mary gny hanao fonegnan'eo aminigny tany, dra reo sy mivaliky gny hitoby ao amizay. 22Fa gny rasy fagnahy fongoran'eo aminigny tany, dra sy mana-pinoa hofongoryn'eo amizay.
Chapter 3

1Ry zanako, ka magnaligno gny didiko dra tano ao aponao gny fapenarako, 2fa andro lava vo tao maro hiay dra fedagna gny hagnapian'ireo hanao.3Ka anga handao anao gny sy fivadiha-pagneke vo gny fahamendreha-pitokisa, hapifamatosy eo aminigny vozonao gny fonao. 4Dra hahita fitia vo ho soa laza eo amason'Agnahary vo gny olo hanao.5Matokia an'i Yaveh aminigny fonao manotolo dra ka miaky aminigny fahalalanao avo; 6magneke Anazy aminigny lalanao aby dra Izy gny hapahisy gny lalano.7Ka hendry eo imasonao avo; matahoroa an'i Yaveh dra ialao gny rasy. 8Ho fagnasitraha ho anigny nofonao dra famelombeloma ho anigny vatanao zay.9Magnaza an'i Yaveh aminigny harenao vo gny voloham-bokasy gny vokasao aby, 10dra ho feno gny tragno fitehirizam-bokasy dra ho vaky hitobatobaky gny fitoeram-boalobokao, feno divay vaovao.11Ry zanako, ka magnamavo gny fapenaran'i Yaveh dra ka malaiky gny fibedesany, 12fa reo ze tiany gny faizin'i Yaveh, manahaky gny ataonigny ra aminigny zanany ze akasitrahany.13Sambasy ze mahita fahendre ; fa mahazo fahazava-say avo koa izy. 14Soa noho ze omenigny volafosy gny azonao avy aminigny fahendre dra gny tombony dra soa mihoasy gny volamena.15Sarobily noho gny firavaky gny fahedre dra sy misy azonao apitahia aminazy ze mety misy hirinao. 16Andro lava gny eo atagnany akavana; dra harena vo voninahisy gny eo atagnany akavia.17Lalanigny fahalemem-pagnahy gny lalany dra fedagnan'avokoa gny lalany aby. 18Izy gny hazon'ay ho an'ireo ze mihazon'anizay, sambasy reo ze mifikisy amizay.19Taminigny fahendre gny nagnoregnan'i Yaveh gny tany, taminigny fahazava-say gny napitoera gny lagnisy. 20Taminigny fahalala gny nitriaranigny laliky dra napilasaky gny andony gny raho.21Ry zanako, tano gny fisara vo faheza-magnavaky mary, dra ka ala aminigny masonao zay. 22Ho aina ho anigny fagnahinao irery dra ravaky gny fakasitraha hanova magnodidy gny tendronao.23Dra handeha aminigny lalanao apilamina hanao dra sy ho tafitohy gny tombokao; 24gny fa mandry hanao, dra sy hatahosy; gny fa mandry hanao, dra ho mamy gny torimasonao.25Ka matahosy gny horohoro avy tapoky na gny fandrava ataonigny rasy fagnahy, gny fa avy zay, 26fa Yaveh gny ho eo agnilanao dra hiaro gny tombokao sy ho voanigny fandriky.27Ka mamihy gny soa amireo ze mendriky zany, raha ao aminigny herinao avo gny hiasa. 28Ka mizaka aminigny namanao ho: "Mandehana, dra mevia ndraiky, dra maraindray gny hagnomezako anizay," raha hanagnanao agny aminao avo gny vola.29Ka manao tetiky hagnisy rasy gny namanao__dra gny monina eo agnilanao dra matoky anao. 30Ka mifandisy aminigny olo aminigny sy atony, raha sy nagnisy rasy anao izy.31Ka mialo gny olo maherisetra na misafidy ze lalany. 32Fa maharikoriko amin'i Yaveh gny olo maniasia, fa hapitokiany aminazy koa gny olo mahisy fo.33Eo aminigny tragnonigny rasy fagnahy gny fagnozognan'i Yaveh, fa mitafy gny fonegnanigny olo-mary koa Izy. 34Mandasa gny pandrabiraby Izy, fa magnome sitraky ho anigny olo manetry tegna.35Gny olo-kendry mandova voninahisy, fa gny mola koa dra hisandrasy aminigny fahamegnarany.
Chapter 4

1Mitenoa, gny fapenaranigny ra, ry zanako, dra mitandrema ba hahafatarandrareo gny atao ho fahazava-say. 2Magnome fapenara soa anao zaho; ka mahafo gny fapenarako.3Taminigny bo naha-zanaky gny rako anahy, gny mora fagnahy dra zanaky tokonigny reniko, 4dra napianasy anahy ereo nizaka taminahy ho: "Aoky gny fonao hihazo fatrasy reo zakako; tandrovy reo didiko dra ho velo handrareo.5Mahazoa fahendre vo fahazava-say; ka magnalio dra ka manda reo zakanigny vavako; 6ka afoy gny fahendre dra hiambin'andrareo izy; tiavo izy dra hiaro andrareo.7Gny fahendre gny zava-dehibe indrindra, ko mahazoa fahendre dra lanio ze anagnandrareo aby ba hahazoandrareo fahazava-say. 8Aoky ho lalainao gny fahendre dra hanandrasy andrareo izy; hagnaza andrareo izy raha mamihy anazy handrareo. 9Hametraky fehiloha -pagnazan'eo ambaninigny lohandrareo izy; dra hagnome andrareo satro-boninahisy soa tarehy."10Mitenoa, ry zanako, dra tandremo gny zakako, dra hana tao maro hiegna hanao. 11Hanoro lalan'anao aminigny lala-pahendre zaho; dra hitariky anao ho ami'reo lala mahisy zaho. 12Gny fa mandeha hanao, dra sy hisy olo hizoro aminigny lalanao dra raha mihazakazaky hanao, dra sy ho tafitohy.13Hazogny reo torolala, ka anga handeha; tazogny, fa fiaignanao zay. 14Ka magnaraky gny lalanigny rasy fagnahy dra ka mandeha magnaraky gny lalan'ireo ze manao rasy. 15Handosiro zay, dra ka mandeha amizay; miala amizay dra mandehana aminigny lalak'afa.16Fa sy afa-mandry ereo mandra-panovany rasy dra levo torimaso ereo mandra-panafitohiny olo. 17Fa ereo dra mihina gny mofonigny faharasia dra mino gny divainigny herisetra./v 18Fa gny lalan'aby olo-marina dra manahaky gny fahazavana volohany izay mihamazava; mamirapirasy izay madra-pahavin'NY andro mazava. /v 19Gny lalan'ny rasy fagnahy dra manahaky gny mezy ___ Sy fagnatis'izy oreo izay manafitohina anazy ireo.20Ry zanako, tadremo gny zakako; 21Ka anga hiala amigny masonao ireo; tano ao am-ponao izay.22Fa gny zakako dra aina ho an'ireo izay mahita anazy dra fahasalamana ho an'ny vatan'izy ireo dra manontolo. 23Arovy gny fonao dra ambeno amigny fitadremana regetra izay, fa avy amin'izay gny hikorianan'ny loharanon'aina.24Alao eo aminao gny zaka mivalibaliky dra gny zaka manola lavisy anao. 25Aoka gny masonao hagnety vo hibazina mahisy gny eo alohanao.26Magnamboara lala mahisy ho an'ny tombokao; dra hilamina gny lalanao rehetra. 27Ka mivily ho amigny akavia na akavana; alavoro amigny rasy gny tombokao.
Chapter 5

1Ry zanako, tadremo gny fahedreko; atongilagno amigny fahazava-saiko gny sofinao, 2Ba hianasy momba gny fahamarinana hanao dra hiaro fahalalana gny molosao.3Fa gny molosy gny vehivavy pizangazanga mitete tantely dra gny vavany dra malama noho gny diloilo, 4Nefa agny am-parany dra halailay manahaky gny hazo mahafatyizy, manapaky manahaky gny sabatra maragnisy.5Mizoso magnagny aminigny fahafatesa gny tombony; dra gny liany mizosy ho agny aminigny Fiaigna sy hita. 6Sy mihevisy gny lalanigny fiegna izy. Mirenireny gny lia-tombony; dra sy fatany ze handehanany.7Mizao, ry zanako, mitenoa anahy; ka mive aminigny gny fitenoa gny zakanigny vavako. 8Alaviro anazy gny lalanao dra ka magneky gny vatrangaranigny tragnony.9Amizay dra sy hagnome gny voninahisao aminigny hafa hanao na gny tao iegnanao ho anigny olon-dozabe; 10Sy hifety aminigny harenao reo vahiny; dra ze fa niasanao dra sy ho avy ao an-tragnon'ireo vahiny.11Aminigny faranigny andro-piegnanao dra hiseto hanao gny fa hihaosa gny nofonao vo gny vatanao. 12Hizaka hanao ho: "Indrisy gny fakahalako gny fapenara vo fanovanigny foko sinosino gny fanisia!13Sy nakato reo papianaso zaho na nanongila gny sofiko tamireo pagnanasy anahy. 14Fa rava tateraky zaho teo agnevonigny fengona, teo aminigny fivorianigny olo."15Minoma rano boak'ao aminigny famorian-dranonao dra minoma rano malio boak'ao aminigny lava-dranonao. 16Moa tokony hiboiboiky na eza na eza ra gny loharanonao dra hikorian'egny akalamazana gny loharanonao? 17Aoky honao raiky avo reo fa sy ho an'ireo vahiny mindray aminao.18Ho voatahy anie gny loharanondrareo dra aoky hifaly aminigny valinigny fahatanoranao hanao, 19fa diera mahate-ho tia izy vo osidia soa. Aoky hahafa-po anao aminigny fotoa aby gny nonony; aoky ho mamonigny fitiavany mandrakariva anie hanao.20Fa nagnino hanao, ry zanako, gny tokony babonigny apela zanga; nagnino hanao gny tokony hamihy gny tratran'ireo apela rasy fitondra-tegna? 21Mahita gny raha ataonigny olon'aby i Yaveh dra magnety gny lala andehanany aby.22Gny olo rasy fagnahy dra azonigny fahamelohany avo koa; reo kofehinigny fahota gny hamehenan'anazy fatrasy. 23Ho maty nohonigny sy fahapianigny fapianara izy; voatariky agny aminigny lalan-diso nohonigny habeny fahadalany izy.
Chapter 6

1Ry zanako, raha nanoka gny volanao hatoka aminigny findramanigny namanao hanao, raha napanatena fampindramam-bola ho anigny olo sy fatasoo hanao, 2dra fa nanoby fandriky ho anigny vatanao hanao, dra fa voasingosy gny zaka naloaky gny vavanao.3Raha voasingosy gny zakanao hanao, ry zanako, dra atovy izao ka vozeo gny vatanao, akory fa lavo teo atagnanigny namanao hanao; mandehana ka manetre-tegna dra mengavia eo agnatrehanigny namanao.4Ka anga handry gny masonao dra ka anga rendreha gny holi-masonao. 5Vozeo gny vatanao manahaky gny gazela egny an-tagnanigny pihaza, manahaky gny voron'eo an-tagnanigny pamandri-boro.6Atio gny vikisy, ry olo-malaiky, diniho gny fanaony dra hendre. 7Sy mana komandy, pifehy, na panapaky izy, 8Kanefa mamory sakafony aminigny fahavarasy dra mandrisy gny fararano gny hitehiriza ze hohaniny.9Mandra-kombia gny handrianoa, ry olo-malaiky? Ombia gny hifohazanao aminigny torimasonao? 10"Torimaso kely, faharendreha kely, famoreta-tagna kely ba hiala sasasy"__11dra ho avo manahaky gny pangalasy gny miaramila mirongo felia.12Gny olo-poa__gny olo rasy fagnahy__dra miay aminigny fahamelohanigny zakany, 13mipi-maso, magnome famataran'aminigny tambony dra manondro amireo rasa-tagnany.14Manao teti-drasy vo fitaky ao apony izy; magnesiky fifandira mandrakariva izy. 15Noho zay dra hahatrasy anazy tapoky gny lozany; ao agnatinigny fotoa fohy dra ho potiky lavisy gny fahasitragna izy.16Misy raha enina halan'i Yaveh, fito ze mapangelakelaky Anazy.17Gny masonigny olo pirehareha, gny lela mavandy, gny tagna pandasa-dionigny olo sy mana-signy, gny fo mamoro sain-drasy, gny tamboky ze mailaky aminigny fiazakazaha hanao rasy, 19gny vavolombelo ze mamoaky vandy dra mamafy fifandiran'eo aminy rahalahiny.20Ry zanako, akatoavo gny didin-dranao dra ka mahafo gny fagnanaran-dreninao. 21Fehezo ao aponao mandrakariva reo; fataro eo am-bozonao reo.22Raha mandeha hanao, dra hitari-dalan'anao reo; raha mandry hanao, dra hiambin'anao reo; dra raha mifoha hanao, dra hapianasy anao reo. 23Fa fanilo gny didy, dra fahazava gny fapenara; reo anasy ze avy aminigny fapenara gny lalanigny fiaigna.24Miaro anao aminigny pela rasy fitondra-tegna zay. 25Aoky gny fonao sy hisiririsy gny hasoany dra ka anga hambabo anao aminigny volomasony izy.26Gny findresa-mandry aminigny pizangazanga dra sandainao aminigny sombi-moso, fa gny valiny hafa dra sandainao aminigny ainao mihisy. 27Misy olo afaky minday afo eo atratrany ra dra sy magnoro gny akazony?28Misy olo magnisaky bak-afo mahama ra dra sy hisovaky gny tambony? 29Manahaky anizay koa gny lelahy mindray mandry aminigny valinigny namany; ze mindray mandry aminazy dra sy ho afa-may.30Sy hagnamavo gny pangalasy gny olo raha mangalasy ba hahafa-po gny filany gny fa resy izy. 31Fa raha trasy koa izy, dra hanohisy ipito heny ze nangalariny; sy maisy mamoy gny raha sarobily gny fa ao atragnony izy.32Ze mizangazanga dra sy misy say; ze manao anizay dra manola gny vatany. 33Rasy vo hegnasy gny mendriky anazy dra sy ho voafafa gny fahafaham-barakany.34Fa gny fahasarota-piaro gny mahaory gny lelahy; sy hapiseho famindra-po izy gny fa mamaly faty. 35Sy hagneky onisy izy dra sy ho voatamby, na dre amenao fagnomeza maro aza.
Chapter 7

1Ry zanako, tandremo gny zakako dra raketo ao agnatinao reo didiko. 2Tandremo gny didiko ba ho velo hanao dra tandremo manahaky gny anakandria maso gny fapenarako. 3Fehezo eo amireo rasa-tagnanao reo; sorato eo aminigny vato pisaky gny fonao reo.4Zakao gny fahendrena ho: "Anabaviko hanao," dra atovy ho havanao akaiky gny fahazava- say, 5ba hitandremanao gny vatanao amigny apela zanga, aminigny apela rasy fitondra-tegna mindray aminigny zakany malama.6Teo amigny vatrangarakeliny tragnoko dra nitaza tagny ivelany zaho. 7Nitaza reo olo kely say zaho, dra voamariko tamireo tanora gny zatovo raiky sy nisy say.8Nandalo teo aminigny arabe agnilany kihon-dala zay tovolahy zay, dra nizosy nagnagny atragnony. 9Somombisamby tamizay, taminigny andro hariva, sy taminigny fotoany hariva vo gny mezy.10Nisy apela niseza anazy, nekazo manahaky gny pivaro-tegna, tena fesy apo. 11Sady vavana izy gny midisy; sy mahazano ao atragno, boak'asena , dra an-dalam-be, dra egny azorotragno gny fa egny izy gny mandigny mamisaky.13Ko dra nisaviky anazy izy dra nagnoroky anazy, taminigny tarehy nisolasola gny nizakay taminazy ho: 14"Nanao fagnati-pihavana zaho androany, nagnefa reo voadiko zaho, 15Ko dra niboaky hisena anao zaho, ba hitalia fatrasy gny tarehinao, dra nahiya anao zaho.16Fa nanoby lamba fisafora, zamala fosy miloko boak'agny Egypta, teo aminigny fandriako zaho. 17Fa nandraraky miora, havozo, dra kanely gny fandriko. 18Avia, handeha sika hivoky fitia mandra-maray; handeha sika hangalaky fahafinareta aminigny fitiava.19Fa sy ao atragnony gny valiko; lasa nivahiny izy. 20Ninday kitapom-bola nindray taminazy izy; Hihery izy aminigny fotoany fenomana" 21Taminigny zaka-be gny nitomany anazy; taminigny halamany gny sogniny gny namitahany anazy.22Nandeha nagnaraky anazy boak'ao afara tapoky manahaky gny agnomby andesy ho vono, manahaky gny diera voasambosy agnaty fandriky izy, 23mandra-pisatoky gny zana-sipiky eo aminigny atiny. Manahaky gny voro ze misoriaky ho eo aminigny fandriky. Sy fatany fa hahafaty gny ainy zay.24Ko mitenoa anahy handrareo, ry zanadahiko; tandremo reo zakanigny vavako. 25Aoky sy hivily amireo lalany anie gny fondrareo; ka mive amireo lalan-disony.26Nahalavo olo voatrobaky maro izy; maro dra maro reo niharanigny fahafatesa azony. 27Egny aminigny lala magnagny aminigny Fiaigna-sy hita gny tagnony; mizoso magnagny aminigny efitragno fandria mezinigny fahafatesa ereo.
Chapter 8

1Sy mitoka fatrasy ra gny Fahendre? Sy manandra-peo ra gny fahazava-say?2Eo amireo tapo-kavoa agnilanigny lala, ao amireo sapana-dala, gny hizoroanigny Fahendre. 3Eo anoloan'ireo vavahady ao aminigny fidira magnagny atana, eo aminigny fidera magnao atana, gny hitokavany.4"Handrareo, ry vahoaky, gny tokaviko; gny feoko dra ho an'ireo zanak'olombelo. 5Handrareo ze babo, menara fahendrena; dra handrareo ze mola, mana fahazava-say handrareo.6Tenoy, akory mizaka reo raha mendri-kaza zaho, dra gny fa misokaky gny sogniko dra hizaka raha mary zaho. 7Fa gny vavako mizaka anizay mendri-pitokia, dra gny faharasia maparikoriko gny maloto.8Gny zakanigny vavako aby dra mary; sy nisy miolakolaky na fitaky amireo. 9Mihisy ho anigny olo ze mahatakasy anereo; reo zakako dra mary ho an'ireo ze mahita fahalala.10Mandresa gny fapenarako fa sy gny volafosy; mandresa fahalala fa sy gny volamena sy mifangaro. 11Fa soa noho gny firavaky gny Fahendrena; sy misy harena mitovy aminazy.12Zaho, Fahendrena, dra miara-mony aminigny Fitandrema, dra mana faha-lala vo fahamalia. 13Gny tahosy an'i Yaveh dra ba hakahala gny rasy. Halako gny fieboeboa vo gny fiavognavogna, gny fomba rasy, vo gny zaka rasy. Halako reo.14Mana torohevisy soa vo fahendrena marina zaho; lali-say zaho; anahy gny hery. 15Aminigny alalako gny azakan'ireo pazaka__reo lelahy mana-kaza avo koa, vo gny mifehy aminigny fahamarignan'abyzay. 16Aminigny alalako gny anapahan'ireo andriandahy, reo mana-kaza, vogny mifehy aminigny fahamarignan'aby.17Tiako ze tian'anahy, dra reo ze mitalian' anahy fatrasy, dra hahita anahy. 18Ao aminahy gny harena vo gny voninahisy vo gny fahamarigna.19Gny vokaso dra soa noho gny volamena, eny na gny volamena soa aza; soa noho gny volafosy malio gny vokaso. 20Mandeha aminigny lalanigny fahamarigna, agnevonireo lalanigny marina zaho. 21Vokas'izay, dra ataoko mandova harena reo ze tian'anahy; fenoko gny fitehiriza-drakis'ereo.22Nahary anahy i Yaveh taminigny fiandoha, gny asany volohany tamizay. 23Fahiny ela dra zaho___hatragny am-bolohany, hatraminigny fiandohanigny tany.24Talohanigny nisianigny ranomasy, dra teraky zaho___talohanigny nahatondraky rano reo loharano. 25Talohanigny nametraha reo tendrombohisy dra talohan'ireo havoa, dra teraky zaho.26Fa teraky zaho talohanigny naharian'Agnahary gny tany na gny saha, eh fa na dre gny vovoky volohany tamizao totolo izao aza. 27Fa teo zaho fony nanoby gny lagnisy Izy, fony Izy nanorisy boribory tany aminigny farisy gny laliky.28Fa teo zaho fony Izy nanoby gny raho dra fony namboary reo loharano tagny aminigny laliky. 29Fa teo zaho fony Izy namarisy gny fetranigny ranomasy, ko dra sy nihoasy gny fandidia reo rano, dra fony namarisy gny fagnoregna gny tany maiky.30Panao asa tagnanao tena mahay teo agnilany gny hazo; Zaho gny fifalia isan'andro isan'andro, mifalia mandrakariva teo anoloany zaho. 31Nifily tao aminigny totolony aby zaho, dra gny fifaliako dra tao amireo zanak'olombelo.32Amizao, ry zanako, mitenoa anahy, fa reo ze mitandry gny lalako dra ho voatahy. 33Mitenoa gny fapenarako dra hendrea; ka manao sinosino anizay. 34Ze miteno anahy dra ho voatahy. Hiamby isan'andro eo am-batrangarako izy, mandigny agnilan'ireo sangasangan'ireo vatrangarako.35Fa na iza na iza mahita anahy, dra mahita fiegna, dra hahita sitraky amin'Agnahary izy. 36Fa ze sy mahita, dra manola gny ainy avo; reo ze malaiky anahy dra tia fahafatesan'aby."
Chapter 9

1Namboasy gny tragnony manoka gny fahendrena; nanao asa sokisy andry fito boak'aminigny vatolapy izy. 2Namono reo bibiny izy; napifandaro gny divainy izy; dra nanoby gny latabany.3Nagniraky reo piasa atragnony izy; nitoka zaka amireo toeran'avo indrindranigny tana izy ho: 4"Iza gny bado? Aoky izy hagnaton'atiky!" Ho an'ize sy apy say soa gny hizakany.5"Avia, hano gny haniko, dra nomy gny divay niharoiko. 6Angao reo fihesikao bado dra miveloma; mandehana aminigny lalanigny fahazava-say.7Na iza na iza magnatrasy gny panirasira dra handray fagnararaota; na iza na iza hizaka fatrasy gny rasy fagnahy dra handray reo fanirasira. 8Ka magnanasy gny panirasira, raha sy zay dra ho halany hanao; 9anaro gny olo-kendry, dra ho tiany hanao. Magnomeza gny olo-kendry, dra ho avy hendry kokoa izy; apenaro gny olo-mary, dra hagnapy gny fenarany izy.10Gny fahatahora an'i Yaveh gny fiandoham-pahendre, dra gny fahalala gny Masy gny fahazava-say. 11Fa aminigny alalako gny hihamaroanigny andronao; dra hapiako tao maro gny fiegnanao. 12Raha hendry hanao, dra hendry ho anigny vatanao avo, dra raha manirasira hanao, dra hinday anizay aminigny vatanao avo."13Gny apelanigny mola dra sy mahay, sy nibeazy izy dra sy mahafatasy na ino na ino. 14Mitoby eo ambetrangarany gny tagnony izy; eo aminigny seza aminigny toera abo indrindra aminigny tana. 15Mitokava reo ze miriosy amireo lala izy, aminigny olo ze mandeha mahisy aminigny lalan'ereo.16"Na iza na iza babo, aoky izy hiherin'eto ndraiky," hoy izy amireo ze sy mana say. 17"Mamy gny rano nangalary, dra masiro gny mofonigny sembaratelo." 18Fa sy fatany fa agny gny maty, fa reo vahiny nasainy dra agny aminigny halalinigny Fiegna-sy hita.
Chapter 10

1Ohabolan'i Solomona. Gny zanaky hendry mahafaly gny rany gny zanaky mola mapalahelo gny reniny.2Gny harena navory taminigny faharasiany dra sy mana-daza, fa gny fanova gny mary gny miaro anao aminigny fahafatesa. 3Sy angan'i Yaveh ho resy gny fagnahinigny olo-mary, fa magnafoa reo fagnirianigny rasy fagnahy Izy.4Gny tagna kamo gny atony mapahatra gny olo, fa gny tagnanigny olo mazoto mahazo harena. 5Gny zanaky hendry mamory vokasy aminigny fahavarasy, fa mahamegnasy anazy gny mandry mandrisy gny fiziza.6Reo fagnomeza boak'amin'Agnahary dra eo aminigny lohanigny olo-mary, fa gny vavanigny rasy fagnahy dra mandrakosy herisetra. 7Gny olo-mary mapifaly reo ze mahasiaro anazy, fa gny agnaranigny rasy fagnahy dra ho lo.8Reo ze hendry magneky reo didy, fa gny mola mahay vava dra ho rava. 9Izy ze mandeha apilamina, fa ze manao gny lalany ho meloky, dra ho hita.10Izy ze mipi-maso dra hahavy alahelo, fa gny mola de zaka dra hazera. 11Gny vavanigny olo mary dra loharanon'ay, fa gny vavanigny rasy fagnahy dra mandrakosy herisetra.12Gny fakahala manestika aly, fa gny fitiava manaro gny fahadisoan'aby. 13Hita aminigny moloso gny olo mana-say gny fahendrena, fa sora-kazo gny ho aminigny lamosiny sy mana say.14Gny olo hendry dra mitahiry fahalala, fa gny vavanigny mola hinday faharava hagnariny. 15Gny herenany gny olo manandraha dra gny tana fatras'ary; gny fahatranigny mahatra dra faharavan'ereo.16Minday ho aminigny fiegna gny karamanigny olo-mary; gny tombony azonigny rasy fagnahy dra minday anereo ho aminigny fahota. 17Misy lala magnagny aminigny fiegna ho anize magnaraky gny fisipi-pifeheza, fa ze manda famaiza dra mandeha aminigny lalan-diso.18Ze magnavony falegna dra mana sogny pavandy, dra ze mapiely endrikendriky dra mola. 19Raha misy zaka maro, dra sy anganigny heloky, fa ze mitandrin'anize zakany gny hendry.20Volafosy voafaty gny lelanigny olo-mary; sy dra misy lazany gny ao aponigny rasy fagnahy. 21Gny sogniny gny olo-mary mamelo gny maro, fa maty gny mola nohonigny sy fahapian'ereo say.22Gny fagnomeza soa boak'amin'i Yaveh gny minday harena dra sy apiany fatahora zay. 23Fihira fataonigny mola gny fanovan-drasy, fa gny fahendrena gny fahafinaretanigny olo mana fahazava-say.24Gny tahosy gny olo rasy fagnahy dra hahavoan'anazy, fa gny fagnirianigny olo-mary dra homen'anazy. 25Gny rasy fagnahy dra manahaky gny tafio-drivosy maloto, dra sy eo sasy ereo, fa gny olo mary dra fotosy ze maharisy mandrakizay.26Manahaky gny vinaingisy eo aminigny nify dra setroky eo aminigny maso, dra va manahaky anizay koa gny malaiky amize magniraky anazy. 27Gny tahosy an'i Yaveh gny mahaela velo, fa gny taonigny panoa rasy dra ho bory.28Gny fanatenanigny olo-mary gny fifalian'ereo, fa gny taonigny rasy fagnahy dra ho bory. 29Gny lalan'i Yaveh dra miaro ze mary, fa fandringana ho anigny rasy fagnahy zay. 30Gny olo mary sy ho rava mandrakizay, fa gny rasy fagnahy dra sy hitoby aminigny tany.31Boak'ao aminigny vavany gny olo mary gny iavianigny vokasy gny fahendrena, fa gny lela pavandy dra hofongory. 32Gny moloso gny olo mary mahay ze mety, fa gny vavanigny rasy fagnahy, mahay ze fitaky aby.
Chapter 11

1Halan'i Yaveh reo mizana ze sy mary, fa makasitraky gny laza mary izy. 2Raha avy gny firehareha, dra avy gny fahafaham-baraka, fa aminigny fanetre-tena gny hiavianigny fahendrena.3Gny sy fivadihanigny mahisy gny mitari-dalan'anereo, fa gny lala-meloky gny pivadiky dra mamotiky anereo. 4Zava-poana gny harena aminigny andronigny fahoria, fa gny fahasoava gny mary dra miaro anao aminigny fahafatesa.5Gny fitondra-tegna marinigny sy mana-say dra mapahisy gny lalany, fa gny rasy fagnahy dra ho lavo nohonigny harasiapagnahiny avo. 6Gny fitondra tegna soa mahafaly an'Agnahary dra maro miaro anazy, fa gny pivadiky dra voafandriky gny filan'ereo.7Gny fa maty gny olo rasy fagnahy, dra levo gny fanatenany dra gny fanatena ze tao aminigny tazany dra zava-poana. 8Gny olo-mary arova lavisy gny fahoria fa avy aminigny rasy fagnahy koa zay.9Aminigny vavany gny amoteha gny panirasira gny namany, fa aminigny fahalala gny iarova gny olo-mary. 10Gny fa ambinina gny olo-mary, dra miravoravo gny tana; gny fa levo gny rasy fagnahy, dra misy hiaka-pifalia. 11Amizay alalan'ireo fagnomeza-soa ze an'ireo mahafaly an'Agnahary, gny mahavy gny tana ho lahibe; gny mahavy gny tan ho lahibe; aminigny vavany gny rasy fagnahy, gny hahapotiky gny tana.12Gny olo ze magnamavo gny namany dra sy misy say, fa gny olo mana fahazava-say dra mangina. 13Ze mitovy aminigny fagnendrikendreha dra mamoaky sembaratelo, fa gny olo mahatoky dra mifahasy gny raharaha raiky hisaro.14Raha sy misy pitondra hendry, dra hiroda gny firenena, fa gny fandresena dra avy aminigny fangala hevisy aminigny panolosay maro.15Na iza na iza miatoky findramam-bola ho anigny vahiny dra hizaly fatrasy tokoa, fa gny raiky ze makahala gny fagnomeza atoky amizay karaza toky zay gny voaaro, 16Gny apela soa fagnahy dra mahazo voninahisy, fa gny olo masiaky mambabo harena.17Gny olo soa fagnahy magnome tombony ho anigny vatany, fa gny raiky zay lozabe mandrasy gny vatany. 18Gny olo rasy fagnahy dra mavandy ba hahazoany gny karamany, fa gny raiky ze mamafy gny mary dra miziza gny karamanigny fahamarigna.19Gny olo mary ze manao gny mety dra ho velo, fa gny raiky ze magnaraky gny rasy dra ho maty. 20Yaveh makahala reo ze mana fo mivaliky, fa makasitraky reo ze mandeha sy mana-signy Izy.21Izao gny atovy azo atoky__gny olo rasy fagnahy dra sy ho afa-may , fa reo taranaky gny olo-mary dra ho voaaro. 22Gny apela soa tarehy sy misy fahamalina dra manahaky gny kavim-bolamena eo aminigny oro-koso.23Gny fagnirianigny olo-mary mivony aminigny soa, fa fahasiahan'avo gny azonigny olo rasy fagnahy atenany. 24Misy ze mamafy voa__mahavoavory maro lavisy izy; gny hafa sy mamafy__dra avy aminigny fahatra izy.25Gny olo malala-tagna dra hambiny dra gny raiky ze magnome rano ho anigny hafa dra hana rano ho anigny vatany. 26Ozigninigny olo gny lelahy ze manda sy hivarosy voa, fa reo fagnomeza-soa gny satro-boninahisy gny lohanize mivarosy zay.27Ze mekazo fatrasy gny soa dra mitalia sitraky avo koa, fa gny raiky ze mitalia gny rasy dra hahita anizay. 28Reo ze mitoky aminigny hareny dra ho lavo, fa manahaky gny raviny, gny hamokaranigny olo-mary.29Ze manday korota ao aminigny akohonany dra handova sioky avo dra gny mola dra ho avy panoponigny hendry am-po.30Gny olo-mary dra hanahaky gny hazon'ay, fa gny herisetra mangala ay. 31Ingo! Gny olo-mary mndray ze sahaza anazy; maiky fa gny rasy fagnahy vo gny panota!
Chapter 12

1Na iza na iza tia fagnanara dra tia fahalala, fa gegy ze malaiky gny fanoroa. 2Yaveh dra magnome sitraky gny olo soa, fa magnahy olo ze manao teti-drasy Izy.3Gny olo dra sy ho tafatomby aminigny faharasia, fa gny olo-mary sy afaky hofongora. 4Gny valy mendriky dra satro-boninahisy gny valiny, fa ze minday hegnasy dra manahaky gny arety ze maha-lo gny tolany.5Mahisy gny fikasanigny mary, fa mamitaky gny toro-hevisy gny rasy. 6Gny zakanigny olo rasy fagnahy dra otriky mandigny vita hamonoa, fa gny zaka mahisy koa gny miaro anereo.7Gny olo rasy fagnahy fongory dra lasa ereo, fa gny tragnonigny olo-mary koa dra hizoro. 8Dera aminigny habesany gny fahendrena anagnany gny olo, fa ze manao safidy rasy koa dra atao sinosino.9Soa kokoa gny mana toera sy manan-daza__panopo fosiny avo__noho gny mirehareha aminigny fahambonianao nefa sy mana-kohany. 10Gny olo-mary dra miahy gny momba reo filanigny bibiny, fa na dre gny fangoraha-ponigny rasy fagnahy aza dra lozabe.11Ze miasa gny taniny dra hana sakafo maro, fa na iza na iza magneziky reo tetikasa sy misy dikany dra sy misy say. 12Gny olo rasy fagnahy magniry ze nangalarinigny olo-rasy taminigny hafa, fa gny vokasy gny olo-mary koa dra boak'aminigny vatan'ereo avo.13Gny olon-drasy dra voafandriky gny zaka-rasiny, fa gny olo-mary koa dra mienga gny olo. 14Boak'aminigny vokasy gny zakany gny maha-feno raha-soa gny olo, manahaky gny hamalianigny asanigny tagnany soa anazy avo.15Gny lalanigny mola dra marin'eo imasony avo, fa gny olo-kendry koa miteno torohevisy. 16Gny mola dra mapiseho gny haoriany am-bolohany, fa ze sy miraharaha fanirasira koa gny marina.17Ze mizaka gny mary dra mizaka ze rariny, fa gny fizoroa vavolombelo diso koa mizaka vandy. 18Gny zakanize mizaka akameha dra manahaky gny fanindrony gny mesa, fa mitondra fagnasitragna koa gny lalanigny hendry.19Gny sogny mary dra maharisy mandrakizay, fa gny lela pavandy koa ho aminigny fotoa bory avo. 20Misy fitaky ao apon'ireo ze manao teti-drasy, fa hafalia koa gny avy amireo panolo-say fedagna.21Sy misy arety avy aminigny olo-mary, fa gny olo rasy fagnahy koa feno olana. 22Makahala gny moloso mavandy Yaveh, fa reo ze miay ami-pahatokia koa gny sitrany.23Magnavony gny fahalalany gny olo hendry, fa gny fonigny mola koa mihiaky fahamola. 24Gny tagnanigny mazoto dra hanapaky, fa gny olo kamo koa alefa manao asa aterivozo.25Gny fagnahia ao aponigny olo mapitanondriky anazy, fa gny raha soa koa maharavoravo anazy. 26Gny olo-mary dra pitari-lia ho anigny namany, fa gny lalanigny rasy fagnahy mitariky anereo aminigny lalan-diso27Gny olo kamo dra sy hagnato gny hazan'ereo, fa gny olo mazoto koa hahazo harena sarobily. 28Reo ze mandeha aminigny lala-mary dra mahita fiegna vo sy misy fahafatesa gny lalan'izay.
Chapter 13

1Miteno gny fapenaranigny rany gny zaza hendry, fa gny paneso dra sy miteno fasiaha. 2Boak'aminigny vokasy gny vavany gny isatrahanigny olo reo raha-soa, fa gny homagny pamitaky dra ho anigny herisetra.3Ze mitandry gny vavany gny miaro gny ainy, fa ze misagnasagna vava dra handrava gny vatany avo. 4Gny homan'ireo olo kamo dra magniry nefa sy mahazo na ino na ino, fa gny homany olo mazoto dra ho afa-po tateraky.5Reo olo mary dra malaiky gny vandy, fa gny olo rasy fagnahy dra manao gny vatany ho marikoriko, dra manao ze mahamegnasy izy.6Gny faha-marigna dra miaro an'ireo ze sy misy signy aminigny lalany, fagny faharasia mapivadiky reo ze manota.7Misy olo mapanandraha gny vatany, nefa sy mana na ino na ino dra misy olo mahafo gny raha aby, nefa tena manan-draha. 8Gny solo vaikanigny ainy gny olo manan-draha dra gny hareny, fa gny olo mahatra sy mahare fapitahora.9Miravoravo gny hazavanigny olo-mary, fa gny zironigny rasy fagnahy dra ho vono. 10Fifandiran'avo gny ateraky gny avognavo, fa ho an'ireo ze miteno torohevisy soa gny misy fahendrena.11Hihena gny harena gny fa be loasy gny zava-poana, fa gny raiky ze mihary vola aminigny asanigny tagnany dra hapitombo gny volany. 12Gny fa mihemosy gny fanatena, dra mandrasy fo zay, fa gny fagniria tateraky gny hazon'ay.13Ze malaiky gny fapenara gny bo hiharan'izay, fa ze magnaza gny didy dra hahazo valisoa. 14Gny fapenaranigny olo-kendry dra loharanon'ay, manala anao aminigny fandriky gny fahafatesa.15Gny fitandrema soa dra ahazoa fitia, fa gny lalanigny pamadiky sy ho tapisy mandrakizay. 16Gny olo marina dra mandray gny fanapaha-kevisy aby aminigny fahalala, fa gny mola dra mapiharihary gny hadalany.17Gny iraky rasy fagnahy ho lasaky agnaty fahoria, fa gny iraky mahatoky minday fapihavana. 18Ze sy miraharaha fapenara hahatra vo ho megnasy, fa gny voninahisy dra ho avy amize mianasy aminigny fagnisia.19Gny fagniria tateraky aminigny fo, fa gny mola malaiky gny fiala aminigny rasy. 20Mindresa lalan'aminigny olo-kendry dra ho hendry hanao, fa gny namanigny mola dra hizaly aminigny rasy.21Magneziky gny panota gny loza, fa gny olo-mary dra ome valisoa aminigny soa. 22Mamela lova ho anigny zafiny gny olo soa, fa gny harenanigny panota dra voatahiry ho anigny olo-mary.23Gny saka sy bo nesan'ireo mahatra dra afaky mamokasy hany maro, fa voafafa aminigny sy rariny zay. 24Ze sy magnisy gny zanany dra makahala anazy, fa ze tia gny zanany dra mitandry gny hapianasy anazy soa.25Gny olo-mary dra hihina mandra-pahavisiny, fa gny tronigny rasy fagnahy dra ho resy mandrakariva.
Chapter 14

1Gny apela hendry mananga gny tragnony, fa gny apela mola mandrava anizay aminigny tagnany avo. 2Ze mandeha apahisia dra matahosy an'i Yaveh, fa ze sy marina aminigny lalany dra manao sinosino Anazy.3Aminy vavanigny mola gny hiavianigny simoky gny fireharehany, fa gny sognony gny hendry hiaro anereo. 4Agny amize sy misy biby teza gny malio gny tavy fihinana, fa be gny vokasy mety ho avy aminigny tazaky gny agnomby.5Gny vavolombelo matohatoky dra sy mavandy, fa gny vavolombelo sandoky mamoaky vandy. 6Mitalia fahendrena gny paneso fa sy mahita, fa ho avy mora foa amize mana-say gny fahalala.7Mela aminigny olo mola, fa sy hahita fahalala eo aminigny sogny hanao. 8Gny fahendrena ho anigny olo marina dra gny mahatakasy gny lalany avo, fa gny fahamolan'ireo mola dra fitaky.9Maneso ireo mola aby voasoro gny fagnatisy nohon'ny heloky, fa voazara eo amin'ireo mahisy gny fakasitrahana. 10Gny fo mahalala gny ngidiny dra sy misy vahiny mizara gny hafaliany.11Ho torotoro gny tragnony olo rasy fagnahy fa handrombona gny lain'ny olo-mahisy. 12Misy lalana izay toa marina eo amigny olo, fa gny farany avo gny mitariky amigny fahafatesana.13Afaky mihomehy gny fo nefa manaitaina dra mety hiafara amigny alahelo gny hafaliana. 14Izay sy matoky dra hahazo izay medriky gny lalany, fa gny olo soa hahazo izay anazy.15Izay bado dra mino gny raha aby, fa gny olo mailo koa mieriserisy ireo liany. 16Matahosy gny olo hedry dra miala amigny rasy, fa gny mola koa manda fapitadremana amitoky.17Izay malaky Ory dra manao raha molamola, dra gny olo izay manao teti-drasy dra akahalaina. 18Gny bado dra mandova fahadalana, fa gny olo-hedry koa ho satrohi-boninahisy amigny fahalalana.19Gny olo-rasy hiakohoky eo alohan'izay soa dra ireo izay rasy fagnahy hiakohoky eo amin'ireo vavahadin'ny olo-marina. 20Akahalaina gny olo-mahatra na dre ireo namany avo koa aza, fa gny olo mana-karena mana-namana maro.21Izay magnapotoro fagnamavoa gny namany dra manota, fa sambasy izay mapiseho fakasitrahana izay mapiseho fakasitrahana amigny mahatra. 22Sy ireo izay manao teti-drasy se gny mandeha amigny hevi-diso? Fa ireo mikasa gny hanao gny soa dra hahazo fagneke matoky vo famedreham-pitokisa.23Avy amigny asa fatrasy aby gny hiavian'ny tombony, fa gny zaka avo, dra mitariky ho amigny fahatrana izay. 24Satro-bpninahisy gny olo-hedry gny hareny, fa gny molan'ireo mola minday hamola fagnapiny anazy ireo avo.25Gny vavolombelo marina magnavosy aina, fa gny vavolombelo sandoky magnaboaky vandy.26Gny fa matahosy an'i Yaveh gny olo raiky, dra mana fahatokisa maro aminazy avo koa izy; reo raha reo dra hanahaky gny toera ferova hoa nize zanak'izay lelahy zay. 27Gny fahatahora an'i Yaveh dra loharano ay, ba hahafahanigny olo miala amireo fandriky gny fahafatesa.28Hita aminigny hamaroa gny vahoakiny gny voninahiny gny pazaka, fa raha sy misy vahoaky dra rava gny andria. 29Gny olo mahary dra mana fahalala lahibe, fa gny olo malaky ory manandrasy fahadala.30Gny fo milamy dra ay ho anigny vata, fa gny fialogna dra maha-lo gny tola. 31Izy mapahory gny mahatra dra magnozo gny Pamoron'anazy, fa ze raiky maneho fakahasitraha aminigny fadiranovana dra magnome voninahisy anazy.32Gny olo rasy fagnahy dra ahetrin'ireo asa-rasiny, fa gny olo-marina dra hanapelofa na aminigny fahafatesan'aza. 33Gny fahendrena mitoetra ao aponigny mahalala, fa na dre eo amireo mola aza dra angany ho fatasy gny aminazy.34Gny fanova ze mary dra manandrasy firenena, fa gny fahota dra fahafam-baraka ho anigny olon'aby. 35Gny fakasitrahanigny pazaka dra mindray aminigny panopo ze miasa apitandrema, fa gny fahatezerany dra ho anize miasa ami-pahamegnara.
Chapter 15

1Gny vali-zaka malefaky dra mamily gny fahatezera, fa gny zaka masiaky magnesiky fahasosora. 2Gny lelanigny mola koa mandraraky fahadala.3Fa amizao aby zao gny mason'i Yaveh, mandiniky gny rasy vo gny soa. 4Gny lela magnasitriky dra hazon'ay, fa gny lela pamitaky dra manorotoro gny fagnahy.5Gny mola magnamavo gny fagnanara-ndrany, fa ze mandray gny fanisia gny malina. 6Ao atragnonigny olo-mary gny misy harena be, fa fidiram-bolanigny rasy fagnahy magnome fahorian'anazy.7Gny molisy gny hendry magnaparitaky fahalala, fa sy ba manahaky anizay koa gny fon'ireo olo rasy fagnahy Yaveh, fa fahafinaretany koa gny vavaky gny olo mahisy.9Malaiky gny fomban'ireo olo rasy fagnahy Yaveh, fa tia gny raiky magnaraky gny marin'Izy. 10Mandigny gny olo ze mahafo gny lala gny sazy fatrasy dra ze malaiky famaiza dra ho maty.11Gny fiegna-sy hita vo fandringan'aza misokaky ao agnatrehan'i Yaveh; koa maiky fa gny fonigny zanak'olombelo? 12Gny paneso sososy aminigny fagnanaran'anazy; sy handeha agny aminigny hendry izy.13Gny fo ravoravo mahamira gny tarehy, fa gny areti-po koa manorotoro gny fagnahy. 14Gny fonigny mana-say mitalia fahalala, fa gny vavan'ireo mola homa fahamolan'avo.15Fadiranova avokoa reo andronigny ory aby, fa gny fo miramira dra fanasa sy mana-petra. 16Aleo kely aminigny tahosy an'i Yaveh manahaky ze harem-be aminigny ahiahy.17Aleo kokoa sakafo misy agna ze misy fitiava manahaky ze agnomby mifaly aroso ami-pakahala. 18Gny olo mora ory magnesiky aly, fa gny olo ze mahasindry fo mapisahasy fifandira.19Gny lalanigny kamo dra manahaky gny toera misy fefy silo, fa gny lalanigny mahisy dra lalam-be voavoasy soa. 20Gny zanaky hendry dra minday fifalia ho anigny rany, fa gny olo mola manao sinosino gny reniny.21Mahafinarisy gny olo sy apy say gny hamola, fa ze mana fahazava-say mandeha aminigny lala-mahisy. 22Mandamoka reo tetiky gny fa sy misy torohevisy, saingy gny fa mindray aminigny panolo-say maro dra nahomby reo.23Mahita hafalia gny olo raiky gny fa magnome valiny mahafa-po izy; endrey gny hasoanigny zaka ze voazaka ara-potoa! 24Minday miakasy ho anigny olo-kendry gny lelanigny fiegna, ba helan'ereo aminigny Fiaigna-sy hita agny ambany.25Ho potehin'i Yaveh gny lovanigny pirehareha, fa miaro gny fanagnanigny pitondrategna koa Izy. 26Malaiky gny fisaignan'ireo olo rasy fagnahy Yaveh, fa reo zakanigny fahasoa fagnahiny dra malio.27Minday olo ho anigny fianakaviany gny pangalasy, fa gny olo ze malaiky solosy dra ho velo. 28Gny fonigny mary dra misaitsay melohanigny hamaliany, fa gny vavanigny rasy fagnahy koa miboiky gny rasy ao aminazy.29Lavisy reo rasy fagnahy Yaveh, fa mahare gny vavaky gny olo-mary koa Izy. 30Gny fahazavanigny maso minday fifalia ho anigny fo dra gny vaovao soa dra fahasalama ho anigny vata.31Raha makato hanao gny fa magnisy gny fomba fiegnanao gny olo, dra hitoby eo amireo olo hendry hanao. 32Ze manda famaiza dra manao sinosino gny zakany, fa ze miteno anasy koa dra mahazy fahazava-say.33Mapianasy fahendrena gny tahosy an'i Yaveh vo fanetre-tegna gny mialoha gny voninahisy.
Chapter 16

1Anigny olo gny fikasanigny fo, fa avy amin'i Yaveh gny vali-zaka avy aminigny lelany. 2Malio eo imasony avo gny lalanigny olon'aby, fa Yaveh gny mandaza gny fagnahy.3Akino amin'i Yaveh gny asanao dra ho lavorary ze kasanao. 4Nataon'i Yaveh ho aminigny atony avokoa gny raha aby, na gny rasy aza dra ho aminigny andro-pahoria.5Yaveh makahala gny olon'aby ze mana fo miavognavo, azo atoky fa sy ho afa-may irery. 6Aminigny sy fivadiha-pagneke vo fahamendreha-pitokisa gny hagnavota aminigny heloky dra aminigny tahosy an'i Yaveh gny helanigny olo aminigny rasy.7Gny fa akasitrahan'i Yaveh gny lalanigny olo raiky, na gny fahavalon'izay olo zay dra ataony mihavan'aminazy. 8Aleo kely aminigny fahamarigna, manahaky anize vola be aminigny sy rariny.9Ao apony gny andrefanigny olo gny lalany, fa Yaveh gny mapizosy gny liany. 10Fanapaha-kevisy laliky gny eo aminigny molosy gny pazaka, gny vavany dra sy ba hamadiky gny rariny.11Boak'amin'i Yaveh gny fandaza mary; gny laza aby ao aminigny kitapo dra asany avokoa. 12Gny fa manao raha-rasy gny pazaka, dra tokony ho raha hatao sinosino zay, akory gny seza fiandriana dra miorin'aminigny fanova gny mary.13Finarisy aminigny moloso mizaka gny mary gny pazaka dra tiany gny olo ze mizaka mahisy. 14Gny fahorianigny pazaka dra raiky gny fahafatesa fa gny olo-kendry dra hiezaky hapitony gny haoriany.15Ao aminigny fahazavanigny tavannigny pazaka gny fiegna dra gny fakasitrahany dra sahala aminigny raho ze minday ora-dohatao. 16Endrey gny hasoanigny fahazoa fahendrena mihoasy lavisy noho gny volamena. Aleo mifily gny hahazo fahazava-say toy zay volafosy.17Gny lalam-benigny olo-mary dra miala aminigny rasy; ze miaro gny ainy dra miamby gny lalany. 18Avy melohanigny faharava gny firehareha dra gny fagnahy mieboebo mialohanigny fahalavoa.19Soa vatany gny manetri-tegna eo amireo olo mahatra toy zay mizara ze nobaboy aminigny olo pirehareha. 20Ze mibazy ze napenary anereo dra hahita soa, dra reo ze matoky amin'i Yaveh dra ho voatahy.21Ze hendry apo gny atao anizahoky ho manasay dra gny hamaminigny zaka gny papivoasy gny faheza-mapianasy. 22Gny fahazava-say dra loharanon'ay ho an'ize manan'anizay, fa gny fapenaranigny mola dra gny fahamolany.23Gny olo-kendry magnome say gny vavany dra magnapy fandrese-dahasy gny moliny. 24Toho-tately gny zaka mahafinarisy__mamy aminigny fagnahy dra fagnasitragna ho anigny tola.25Misy lala ze ho mary aminigny olo, fa gny fiafarany dra lala magnagny aminigny fahafatesa. 26Gny homanigny piasa gny miasa honazy; gny haresiany gny manosiky anazy.27Gny olo sinosino dra mihaly sopasy dra gny zakany dra manahaky gny afo magnoro. 28Gny olo rasy fitondra-tegna manesiky aly dra gny pisiko mapisaraky gny pinama akaiky.29Gny olo maherisetra dra mavandy aminigny namany dra mapivarin'anazy aminigny lala ze sy soa. 30Ze mipi-maso dra mitetiky raha rasy; reo ze manifa-sogny dra mapandalo gny rasy.31Gny volo-fosy dra satro-boninahisy; azo aminigny fiegna gny lala-mary zay. 32Soa gny sy mora ory noho gny pialy dra gny olo manapaky gny fagnahiny dra mahery noho gny olo ze mambabo tana raiky.33Gny filoka dra aria eo apofoa, fa gny fanapaha-kevisy dra avy amin'i Yaveh.
Chapter 17

Soa avokoa gny miay mangingy miaraky amigny tapa-mofo tihoky izay ao amigny tragno feno hany misy fifandifa.2Gny panopo hendri dra hanapaky eo amigny zanany izay manao toetra mahamegnasy ary hiray lova manahaky gny iray amin'ereo rahalahy.3Gny memy ho anigny volafosy dra gny lafoaro fandrendreha ho anigny volamena, fa Yaveh gny manefy gny fo. 4Gny panao rasy miteno gny molisy gny rasy fagnahy; manongila-sofy aminigny lela pandringa gny pavandy.5Na iza na iza maneso gny malahelo dra mizaka rasy gny pahary anazy dra ze mifaly aminigny fahavoaza dra sy afa-bela aminigny famaiza. 6Satro-boninahisy gny atisy gny zafy dra minday voninahisy ho an'ireo zanany gny ray aman-dreny.Gny kabary soa lahasy dra sy mety aminigny mola; ko maiky fa gny sogny pavandy ho mety ho anigny fianakaviany gny pazaka. 8Manahaky gny vato mahagaga gny kolikoly ho anigny olo ze magnome anizay; na eza na eza itolihany, dra mahomby izy.9Ze manaro heloky dra mitalia fitiava, fa ze magnery gny fahadisoa taloha dra mapisaraky reo pisakaiza akaiky. 10Milisy laliky kokoa agny aminigny olo ze mana fahazava-say gny zaka fatrasy noho gny zera izato magnagny aminigny mola.11Gny olon-drasy dra mitalia fikomian'avo, ko dra halefa hanohisy anazy gny iraky lozabe. 12Aleo mifanena aminigny bera levon'anaky toy zay mifanena amimola aminigny fahamolany.13Raha misy olo mamaly rasy gny soa, dra sy hagnenga gny tragnony mandrakizay gny rasy. 14Gny fiandohan'aly dra manahaky gny mamela gny rano hiparitaky egny rehetr'egny, ko dra alaviro gny fifandira dieny bo sy vaky zay.15Gny olo ze magnamary gny olon-drasy dra gny olo ze magnameloky gny olo-mary__dra samby fahavetaveta eo amin'i Yaveh reo. 16Nagnino gny mola gny tokony hagnenga vola ba hianasy momba gny fahendrena, nefa izy sy mana fahafan'akory gny hianasy anizay?17Gny sakaiza dra tia aminigny fotoan'aby sady rahalahy nateraky ho aminigny fotoanigny fahoria. 18Gny lelahy sy misy say manao fapanatena mandrohy dra avy topon'atoky aminigny trosanigny namany.19Na iza na iza tia aly dra tia heloky; ze manao gny tokonam-batrangarany ho abo loasy dra magnapotiky gny tolany. 20Gny olo ze mana fo maheriloha dra sy hahita na ino na ino soa; mezera aminigny loza ze mana lela pamitaky.21Na iza na iza ray aman-dreninigny mola dra minday alahelo ho anigny vatany; dra sy mana hafalia gny ranigny mola. 22Fanafody soa gny fo miramira, fa gny fagnahy koa mahamaiky gny taloha.23Gny lelahy rasy fagnahy makasitraky kolikoly ambaliky ba hamadiha reo lalanigny rariny. 24gny olo ze mana fahazavasay dra mapitoliky gny tarehiny magnagny aminigny fahendrena, fa gny masonigny mola koa mitoliky agny amireo vaza-tany.25Gny zanaky mola dra alahelo ho anigny rany dra fangidia ho anigny apela ze niteraky anazy. 26Dra koa, sy soa mihisy gny magnasazy gny olo-mary; na mikapoky olo mendri-kaza ze mana fahisia.27ze mana-pahalala mapiasa zaka bory dra ze mana fahazava=say dra mahasindry fo. 28Na dre mola aza hevery ho hendry raha toa ka mangina; gny fa magnakombom-bava izy, dra hevery ho mana-say.
Chapter 18

1Ze mitoka-tegna dra miyalia gny fagniriany manoka dra mifandisy aminigny fisara soa aby izy. 2Gny mola dra sy mahita fahafinareta aminigny fahazava-say, fa aminigny fagnambara ze ao apony avo.3Gny fa misy olo rasy fagnahy avy, dra avy mindray aminazy gny fagnamavoa__mindray aminigny hegnasy vo fahafaham-baraka. 4Rano laliky gny zaka aloaky gny vavanigny olo; dra rano miboiboiky gny loharanonigny fahendrena.5Sy soa gny miangasy aminigny olo rasy fagnahy, na manda gny rariny aminigny olo-mary. 6Gny molony gny mola dra minday aly hon'anazy gny vavany mihasy zera.7Gny vavanigny mola gny faharavany dra mamandriky gny vatany aminigny molony izy. 8Gny zakanigny pifosa dra manahaky gny sombi-kany masiro dra mizoso agny agnatinugny vatan'ireo.9Ze miraviravy aminigny asany avo koa dra rahalahinize mamotiky indrindra. 10Tilikambo mahery gny agnaran'i Yaveh; mihazakazaky magnao gny mary dra voaaro.11Gny harenigny pana-karena gny tana voaaro dra gny manahaky gny manda abo ao agneriserisy. 12Mialoha gny faharavany dra fanetre-tegna gny avy alohanigny voninahisy.13Ze mamaly melohanigny fitenoa__dra hamola vo hegnasy hon'azy zay. 14Zakanigny fagnahinigny olo gny fahararia, fa iza gny hahazaka anizay fagnahy torotoro zay?15Gny fonigny mana-say dra mandrato fahalala dra gny sofinigny hendry mitalia anizay. 16Gny fagnomezanigny olo dra mety hanokaky lala vo hindain'anazy eo anoloanigny olom-be.17Ze volohany minday gny raharahany dra ho mandra-pihavinigny pifanandrin'aminazy dra hagnotany anazy. 18Gny filoka dra mandamy fifandira vo magnasaraky reo pifanandry mahery.19Gny rahalahy tafitohy dra sarosy azo noho gny tana mahery, dra gny fifandira dra manahaky gny hilinigny lapa. 20Boak'amigny vokasy gny vavany gny mahafeno gny trokinigny olo raiky; aminigny vokasy gny molony gny maha-afapo anazy.21Gny fahafatesa vo gny ay dra fehezinigny lela, dra reo ze tia gny lela dra hihina gny vokany. 22Ze lelahy mahita valy dra mahita raha soa dra mahazo sitraky amin'i Yaveh.23Gny olo mahatra dra mengavy famindra-po, fa gny olo manan-draha koa mamaly akasiaha. 24Ze mizaka mana nama maro dra ho ravan'ereo, fa misy nama ze akaiky kokoa noho gny rahalahy
Chapter 19

1Soa kokoa gny olo mahatra ze mandeha aminigny fahisiany toy izay olo mivadiky aminigny zakany dra mola. 2Dra koa, sy soa gny mana fagniria sy misy fahalala dra ze mihazakazaky fatrasy dra ho diso lalana.3Gny hamolanigny olo gny mamotiky gny fiegna dra amin'i Yaveh gny sososy gny fony. 4Mahabe nama gny harena, fa gny olo mahatra koa dra tafasaraky amireo namany.5Gny vavolombelo sandoky dra sy ho afa-may dra ze mamoaky vandy dra sy ho afa-bela. 6Maro gny hila sitraky aminigny olo malala-tagna dra gny namanize manolosy fagnomezan'aby.7Halanigny rahalahiny aby gny olo mahatra; ko maiky fa reo namany ze magnalavisy anazy! Hitoka anereo izy, saingy fa lasa ereo. 8Ze mahazo fahendrena dra tia gny ainy; ze mita gny fahalala dra hahitta soa.9Gny vavolombelo sandoky dra sy ho afa-may, fa ze mamoaky vandy koa dra ho maty. 10Sy mety aminigny mola gny miay aminigny harena mahafinarisy__maiky fa gny hanapahanigny andevo eo amireo andriandahy.11Gny fahamarigna mahatonga gny olo sy ho moro ory dra voninahisy honazy gny sy magnety gny fahadisoa. 12Gny fahatezeranigny pazaka dra manahaky gny fieronigny liona tanora, fa gny sitrany koa dra manahaky gny andro aminigny ahisy.13Gny zanaky mola dra faharana ho anigny rany dra gny valy pifandrisy dra manahaky gny rano mitete sy tapaky. 14Gny tragno vo harena gny lova boak'aminigny ray aman-dreny, fa valy hendry koa gny boak'amin'i Yaveh.15Gny hakamoa dra mandasaky gny olo agnaty torimaso laliky, fa ze sy vono-kisa koa dra ho resy. 16Ze makato gny didy dra miaro gny ainy, fa gny olo ze sy mihevisy gny lalany koa dra ho maty.17Reo ze miatra gny mahatra aby dra mapisambosy an'i Yaveh dra henorany izy noho reo ze nataony. 18Fehezo gny zanadahinao dieny misy fanatena dra ka eti-pigniria hamona anazy.19Gny olo be kizity dra sy maisy magnefa gny sazy; raha mamozy anazy hanao, dra sy maisy hagnery anizay fagnindrony hanao. 20Tenoy gny torohevisy dra ekeo gny fapenara, ba ho ahendry hanao agny aminigny fiafaranigny fiegnanao.21Maro gny fikasa ao aponigny olo, fa gny tazon'i Yaveh gny haharisy. 22Gny sy fivadiha gny irianigny olo dra soa kokoa gny olo mahatra noho gny pavandy.23Gny fagnomezam-boninahisy an'i Yaveh gny mitariky gny olo aminigny fiegna; ze mana anizay aby dra ho afapo dra sy apahorinigny rasy. 24Gny kamo dra handevy gny tagnany ao an-dovia; sy hagnery hapiakasy anizay ao am-bavany akory izy.25Veleso gny panirasira, dra ho mailo gny olo babo; anaro ze mana-say, dra hahazo fahalala izy.26Ze mandroba gny rany dra mandroaky gny reniny dra zanaky minday hegnasy vo fahafaham-baraka. 27Raha misahasy gny miteno fapenara hanao, ry zanadahiko, dra hania hiala amireo zakanigny fahalala hanao.28Gny vavolombelo pivadiky dra manirasira gny fisara dra gny vavanigny rasy fagnahy mitelik'eloky. 29Vonona ho an'ireo panirasira gny fagnameloha dragny zera ho aminigny lamosinigny mola.
Chapter 20

1Gny divay dra panirasira dra gny raha-finomy mahery dra pitabataba; ze voavily lala aminigny fisotroa aminigny lalan-diso dra sy hendry. 2Gny tahosy gny pazaka dra manahaky gny tahosy gny liona tanora ze miero; ze mapahaory anazy dra magnary gny ainy.3Voninahisy ho anigny rehetra gny misoroky fifandira, fa gny mola aby dra miasapy aminigny feliakevisy. 4Gny olo kamo dra sy miasa tany aminigny lohatao; mitalia vokasy izy aminigny fararano fa sy hahazo na ino na ino.5Gny tazona ao aponigny olo dra manahaky gny rano laliky, fa gny olo ze mana-pahalala koa hamoaky anazy. 6Mara gny olo mizaka fa sy pivaliky, saingy iza gny afaky hihita olo mahatoky?7Gny olo mary dra mandeha aminigny fahisia, dra reo zanany ze mandimby anazy afarany dra hotahina. 8Gny pazaka ze mipetraky eo aminigny seza fian-drianany magnatateraky reo adidinigny pisara dra manivana reo rasy gny fa ze eo alohany aminigny masony.9Iza gny afaky mizaka ho: "Fa nihazo gny foko halio zaho, afaky aminigny otako zaho"? 10Gny mizana sy mitovy laza vo gny fandrefesa sy mitovy__dra samby halan'i Yaveh.11Na gny tanora aza dra fatasy aminigny ataony, raha malio vo mahisy gny fitondra-tegnany. 12Gny sofy ze mahare dra gny maso ze mahita__dra samby nataon'i Yaveh avokoa reo.13Ka mitia torimaso fandrao ho tonga aminigny fahatra hanao; sokafo gny masonao dra hana-kohany maro hanao. 14"Rasy! Rasy!hoy gny pivily, fa gny fa lasa izy dra mirehareha.15Misy gny volamena vo vato lafo vily maro be, fa gny molosy gny fahalala dra firavaky sarobily. 16Aleo gny akazonize napisy ferova ho anireo vahiny, dra tano ho atoky zay raha magnisy ferova ho anigny apela rasy fitondra-tegna izy.17Mamy gny sironigny mofo azo aminigny fitaky, saingy gny fa afaky zay dra ho feno vatokely gny vavany. 18Reo paiky dra voalaminigny torohevisy dra aminigny tari-dala hendry avo gny tokony hindesanao gny aly.19Gny fifosa mamoaky sembaratelo dra noho izay dra sy tokony hindray amireo olo ze pizaka fahatany hanao. 20Raha misy olo magnozo gny rany vo gny reniny, dra ho maty eo agnevonigny ezy gny zirony.21Gny lova azo mora agny apiandohana dra sy hahasoa agny aparany avo. 22Ka mizaka ho: "Hamaly anao noho igny rasy igny zaho!" Mandignisa an'i Yaveh dra hamozy anao Izy.23Halan'i Yaveh reo vato fandaza sy mitovy dra gny mizana sy mary dra sy soa. 24Gny lianigny olo dra tarihan'i Yaveh; ko akory gny ahezany ze lalany?25Fandrky ho anigny olo gny mizaka akameha ho: "Masina ty raha ty," dra gny fa avy nanao gny voadiny vao manomboky mieriserisy ze dikany. 26Gny pazaka hendry dra maniva gny rasy fagnahy dra mamadiky gny kodiaranigny fikororoha eo amin'ereo.27Gny fagnahinigny olo gny jiron'i Yaveh, mitalia reo singa agnatiny indrindra. 28Sy fivadiha-pagnekena vo gny fahamendreha-pitokisa gny miaro gny pazaka; gny seza fiandriany dra voaaronigny fitiava.|v 29Gny voninahis'ireo tovolahy dra gny tazany dra gny famirapiratanigny olo atisy dra gny volafosiny. 30Reo fameleza ze mandrasy mangalaky gny rasy dra gny zera dra mahaavy gny agny agnaty laliky halio.
Chapter 21

1Gny fonigny pazaka dra rano mikorian'eo atagnan'i Yaveh; aviliny egny amize itiavany anazy zay. 2Gny lalan'olo aby dra mahisy eo imasony avo, fa Yaveh gny mandaza gny fo.3Ze manao gny mary vo mahisy dra sitrak'i Yaveh kokoa mihoasy gny soro. 4Gny fiavognavognanigny maso vo fireharehanigny fo__gny zironigny rasy fagnahy_-dra fahota.5Reo fikasanigny mazoto dra mitariky magnagny aminigny fagnambinan'avo, fa gny olon'aby ze maimaiky loasy dra avy aminigny fahatran'avo. 6Gny fiharia harena aminigny lela mavandy dra entona mihelina dra fandriky mamono.7Gny herisetranigny rasy fagnahy dra hisiton'anereo, akory manda gny hanao ze rariny ereo. 8Miolakolaky gny lalanigny olo meloky, fa gny olo ze malio dra manao ze mary.9Aleo kokoa mipetraky eo aminigny zoronigny tafo toy zay mindray tragno aminigny valy pila aly. 10Gny harasianigny rasy fagnahy dra magniry fatrasy gny rasy; sy mahita fahasoavan'eo aminigny mason'ireo namany izy.11Gny fa faizy gny panirasira, dra ho hendry gny kely say, dra gny fa anary gny olo hendry, dra hihazo fahalala izy. 12Mandiniky gny tragnonigny olo rasy fagnahy gny olo-mary; minday gny olo rasy fagnahy ho aminigny loza izy.13Gny olo ze manapy gny sofony aminigny fitaregnany gny mahatra, dra bo hitarain'avo koa, saingy sy hisy hamaly anazy. 14Gny fagnomeza mangingina mapitony gny hatezera dragny fagnomeza miafy dra mapilefy gny fahatezera fatrasy.15Gny fa vita gny fisara, dra mitondra fifalia ho anigny olo-mary zay, saingy minday horohoro ho an'ireo panao rasy zay. 16Ze mirenireny miala aminigny lalanigny fahazava-say, dra hisahasy ao aminigny fafazava-say, dra hisahasy ao aminigny fengonanigny maty.17Ze tia fahafinareta dra hahatra; ze tia divay vo dililo dra sy hanan-draha. 18Gny olo rasy fagnahy dra solovaiky ho anigny olo-mary, dra gny olo pamitaky dra vili-pagnavota ho anigny olo mahisy.19Aleo mitoby agny atany efisy toy zay mindray aminigny valy pifandisy vo ory. 20Harena sarobily vo dililo gny ao atragnonigny hendry, fa gny olo mola koa mandany reo.21Ze manao gny mary vo gny soa fagnahy__zay olo zay dra hahita gny fiegna, fahamarigna, dra voninahisy gny tagnan'ireo mahery, dra mandroda gny ferova fatrasy ze nitokian'ireo.23Na iza na iza miamby gny vavany vo gny lelany dra miaro gny vatany aminigny fahoria. 24Gny olo miavognavo vo mirehareha__"Panirasira" gny agnarany__dra manao fihesiky feno fiavognavogna.25Gny fagnirianigny kamo dra mahafaty anazy, akory manda gny hiasa gny tagnany. 26Magniry fatrasy mandrisy gny totolo andro izy, fa gny olo-mary dra magnome sady sy kahihisy.27Maharikoriko gny soro boak'aminigny rasy fagnahy; maharikoriko kokoa aza zay gny fa minday aizay aminigny atony rasy izy. 28Ho maty gny vavolombelo sandoky, fa gny olo ze miteno dra hizaka aminigny fotoan'aby.29Gny olo rasy fagnahy dra magnamafy gny endriny, fa gny olo mahisy dra matoky aminigny lalany.30Sy misy fandefera, sy misy fahalala, dra sy misy torohevisy afaky mizoro hanohisy an'i Yaveh. 31Gny sovala nomany ho aminigny andronigny aly, saingy an'i Yaveh gny fandresa.
Chapter 22

1Aleo misafidy gny laza soa toy zay be harena dra soa noho gny volafosy vo gny volamena gny sitraky. 2Gny panakarena vo gny mahatra dra samy manan'anizay__Yaveh gny paharay anazy aby.3Gny olo mailo mahisy gny loza dra mivony, fa gny babo koa mandroso dra mizaly noho zay. 4Gny valisoanigny fanetre-tegna vo fahatahora an'i Yaveh dra harena, voninahisy, dra fiegna.5Gny silo vo gny fandriky gny eo aminigny lalanigny maheriloha; fa ze miaro gny ainy dra hagnalavisy anereo. 6Apenaro aminigny zaza gny lala tokony alehany dra gny fa izydra sy hiala amizay fapenara zay.7Manapaky eo aminigny ory gny pana-karena dra ze mindra dra ho andevonize napindra. 8Ze mamafy gny sy rariny dra hiziza fahoria dra halazo gny sorakazonigny fahatezerany.9Ze mana maso be fiatra dra hotahy, akory mizara gny mofosy aminigny mahatra izy. 10Roaho gny panirasira dra ho lasa gny fifandira; hisahasy gny aly vo gny fanevateva.11Ze tia fo malio vo ze mizaka fahasoava, dra hana gny pazaka ho namany. 12Gny mason'i Yaveh dra miamby hatragny gny fahalala, fa gny zakanigny pamadiky dra ravany.13Gny olo malaiky manao anizahoky ho: "Misy liona agny andala! Ho maty egny akalamazana zaho." 14Gny vavanigny apela zanga dra lavaky laliky; mihesiky amize lasaky ao aby gny fahorian'i Yaveh.15Miraiky aminigny fonigny zaza gny hamola, sangy gny sorakazo famaiza hapiala zay. 16Ze mapahory gny olo mahatra dra mapitombo gny olo mahatra dra mapitombo gny heriny, dra ho avy aminigny fahatra ze magnome gny pana-karena.17Atongilagno gny sofinao dra mitenoa reo zakanigny hendry dra apagnekeo gny fahalalako gny fonao, 18akory hahafinarisy anao reo raha tandremanao ao aminao, raha vonona eo aminigny molosao izy aby. 19Ho ao amin'i Yaveh noho zay gny fahatokisanao, mapianasy anao zay zaho anio__hanao dra hanao.20Moa ra zaho sy fa nanorasy ohabolanigny fapenara vo fahalala telopolo honao, 21ba hapenarin'anao gny mary amireo zaka mahatoky reo, ba hagnomezanao vali-zaka mahatoky amireo ze nagnirak'anao?22Ka mandroba gny malahelo akory mahatra izy, na magnosihosy gny ary eo am-bavahady, 23fa Yaveh gny hisolo vava anereo, dra Izy handroba gny ain'ireo ze nandroba anereo.24Ka misakaiza aminigny olo ze fehezinigny fahatezera dra za mindray amizay romosy, 25soa hanao hianasy gny fanaony dra hahazo fandriky ho anigny fagnahinao.26Ka mety ho isan'izy manizi-tagna aminigny fiatoha, na mitoka-trosa. 27Raha sy mana haloa hanao, ino moa gny hahasaka gny olo sy hangalaky gny fandria andrianao?28Ka magnasitraky gny fefy vato fahizay ze fa natoby gny razandrareo. 29Mahita olo malaky aminigny asany ra hanao? Hisangan'eo anoloan'ireo pazaka izy; sy hisangan'eo anoloanigny olo mahazasy izy.
Chapter 23

1Aby mipetraky hihina miaraky amigny panapaky ianao dra diniho soa izay eo anoloanao,2Ary ambano antsy gny vozonao raha olo tia mihinakany be loasy hanao.3Ka misiry loasy gny hanim-piny, fa haninigny vandyizany.4Ka dre miasa mafy loasy hahazoa harena; hendre soa hahafataranao gny fotoa hisahara. 5Hagnenga gny masonao hirehisy amizay ra hanao? Ho dify zay, fa ho hari-elasy manahaky gny voromahery tokoa zay dra hitilin'egny aminigny lagnisy.6Ka mihina gny haninigny olo manao maso rasy__dra ka magniry gny hagnary, 7fa karazan'olo magnisy gny vili-kany izy. "Mihinana dra misotroa!" hoy izy aminao, kanefa sy aminao gny fony. 8Haloanao ze kely nihaninao dra ho very foa gny zaka fandokanao.9Ka mizaka eo asofinigny mola, akory hagnamavo gny fahendreny gny zakanao izy. 10Ka magnage gny fefy vato fahizay na magnaniky gny sakanigny kamboty, 11fa mahery gny pagnavosy anazy regny dra izy gny hisolo vava anereo hanohisy anao.12Apagnekeo fapenara gny fonao ary zaka fahalala gny sofinao.13Ka misisy gny fapenara sy ho aminigny zaza, akory raha magnafay anazy hanao, dra sy ho maty izy. 14Ino gny sy maisy hazera anazy aminigny sorakazo dra hamozy gny fagnahiny aminigny Fiegna-sy hita.15Ry zanako, raha hendry gny fonao, dra ho faly avo koa gny foko;16Hiravoravoa gny agny agnatiko aby mizaka gny sogninao.17Ka anga hialo ereo mpanota gny fonao, fa mipetraha amigny tahosy an'i Yaveh mandrakariva.18Misy tokoa gny ho avy sy ho foa gny fanatenanao.19Mitenoa___hanao!___ry zanako, dra hendre dra hapizoro aminigny lala mahisy gny fonao. 20Ka minama aminigny mamolava, na aminigny fatra-pihina-kena, 21fa gny mamolava vo gny tenda-kany dra reo be torimaso dra hahatra dra gny faharendreha gny hapifaly anazy aminigny voro-damba.22Tenoy gny ranao niteraky anao vo dra ka manao sinosino gny reninao gny fa atisy izy. 23Vilio gny marina, fa ka mamarosy anizay; mivilia fahendrena, fapenara, dra fahazava-say.24Hiravoravo vatany gny ranigny olo-mary, dra miteraky zaza hendry dra ho faly aminazy. 25Aoky gny ranao vo gny rreninao ho faly dra aoky hiravoravo ze niteraky anao.26Ry zanako, omeo anahy gny fonao dra aoky gny masonao hitaridala gny lalako. 27Fa gny apela zanga dra lavaky,dra fasaka tery gny apela rasy fitondra-tegna. 28Miandriandry manahaky gny pandroba izy dra mapitombo gny isan'ireo pamadiky eo aminigny zanak'olombelo.29Iza gny misy ozo? Iza gny mana alahelo? Iza gny manan'aly? Iza gny mana fitaregna? Iza gny mana fery sy nagnino sy nagnino? 30Reo ze mifikisy aminigny divay, reo ze magnandra gny divay mifangaro.31Ka magnety gny divay mena zay, gny fa manganohano ao aminigny zera zay dra miraraky simoramora. 32Aminigny farany zay dra manifasy manahaky gny bibilava dra manindro manahaky gny menarana. 33Hahita raha hafahafa gny masonao dra gny fonao hamoaky raha lahibe.34Hanahaky gny olo ze mandry eo aminigny ranomasy magnoza hanao na mandry eo ataponigny andria-sambo. 35"Namely anahy rery," hoy hanao, "fa sy voa zaho. Nazera anahy regny, fa sy sapako zay. Ombia zaho gny hifoha? Hialia ho nomy hafa ndraiky zaho."
Chapter 24

1Ka mialo reo ze rasy, na magniry gny hiombon'amin'ereo, 2akory miteti-drasy hanao herisetra gny fon'ereo dra mizaka fahoria gny molos'ereo.3Aminigny fahendrena gny agnaranigny tragno dra aminigny fahazava-say gny agnoregnan'anazy. 4Aminigny fahalala gny hamenoa harena sarobily vo mahafinarisy aby reo efitrgno.5Mahery gny pialinigny fahendrena, dra gny olony gny fahalala dra mapitombo gny heriny; 6fa aminigny torolala hendry gny ahafahanao mialy gny alinao dra amireo panolo-say maro gny misy fandresena.7Abo loasy ho anigny mola gny fahendrena; sy manoka-bava eo am-bavahady izy.8Misy olo mitetiky hanao rasy__ tokavinigny olo ho toponigny tetiky izy. 9Gny tetiky gny mola dra fahota vo gny olo dra manao sinosino gny panirasira.10Raha avy maleminigny tahosy aminigny andro-pahoria hanao, dra masaiky gny herinao.11Avoty reo ze nalaiky hovono dra arovy reo ze mivembe eo aminigny famonoa. 12Raha mizaka hanao ho: "Ingo, sy nahay na ino na ino momba anizay zahay", moa ra gny raiky ze mandaza gny fo sy hahatakasy ze zakanao? Gny raiky ze miamby gny ainao, moa ra izy sy mahay anizay? Moa ra Zagnahary sy magnome gny sirairay aby ze mendriky anazy?13Ry zanako, mihinana tately akory soa zay, akory mamy gny tately mitete aminigny toho-tately raha andrama. 14Manahaky anizay gny fahendrena ho anigny fagnahinao__raha hitanao zay, dra hisy hoavy dra sy ho foana gny fanatenanao.15Ka magnotriky manahaky gny olo rasy fagnahy ze manafiky gny tragnonigny olo-mary. Ka mandrava gny tragnony! 16Fa lavo ipito gny olo-mary fa tafarin'avo, fa lavo aminigny loza gny olo rasy fagnahy.17Ka mifaly raha lavo gny fahavalonao dra aoky sy ho ravoravo gny fonao raha tafitohy izy, 18raha sy zay dra ho hitan'i Yaveh dra sy hakasitrahany dra halany aminazy gny fahatezerany.19Ka matahosy noho reo panao rasy, dra ka mialo gny rasy fagnahy, 20fa sy ba mana hoavy gny olo rasy dra gny zironigny rasy fagnahy dra ho maty.21Matahora an'i Yaveh, dra matahora gny pazaka, ry zanako; ka miombon'amireo ze mikomy amin'ereo, 22fa ho avy tapoky gny loza ho anereo dra iza gny mahay ho hatreza gny faharava ze ho avy amin'ereo?23Tahoky avo koa reo fizakanigny hendry. Sy soa fengara aminigny fisaran-draharaha aminigny lala.24Na iza na iza mizaka aminigny rasy fagnahy ho: "Olo-mary hanao", dra ho ozognin'ireo vahoaky dra ho halan'ireo firenena. 25Nefa reo ze magnafay gny rasy fagnahy dra hahazo sitraky dra ho avy amin'ereo gny fagnomeza-soa.26Gny olo ze mamaly ami-kisi-po dra magnoroky eo aminigny molony. 27Omano gny asanao agny ivelany, dra atovy vonona honao agny asaha gny raha aby; afaran'izay, dra amboaro gny tragnonao.28Ka mizoro vavolombelo hanohisy gny piara-belon'aminao aminigny sy atony dra ka mamitaky aminigny moloso. 29Ka mizaka ho: "Hataoko amininazy ze fa nataony taminahy; ho valiako aminazay araky ze fa nataony."30Nandalo tegny asahanigny olo kamo zaho, nizaka taminigny tanim-boaloboky gny olo sy mana say. 31Nisiry tegny rehetr'egny gny silo; rakosy gny amiana gny tany, dra reo vatanigny manda dra rava.32Dra nahita zaho vo nandiniky anizay; nagnety zaho vo nahazo anasy. 33Hangalaky torimaso kely, faharendreha kely, toho-tagna kely ba hisahara__34dra ho avy hagnisaky anao gny fahatra, dra reo filanao dra hanahaky gny ,miaramila feno felia.
Chapter 25

1Tahoky dra bo ohabolan'i Solomona avo, ze nadikan'i Lelahin'i Hezekia, pazakan'i Joda. 2Voninahis'Agnahary gny magnavony raha, fa gny mitalia ze gny voninahisy gny pazaka. 3Manahaky gny maha-anigny abo gny lagnisy vo gny maha-anigny laliky gny tany, gny maha-sy takasy gny say gny fon'ireo pazaka.4Alao aminigny volafosy gny taim-bolafosy dra afaky hapiasa gny volafosy aminigny asa tagnany gny panao sa aminigny vy. 5Dra manahaky anizay koa, alao eo aminigny fanatrehanigny pazaka gny olo rasy fagnahy dra hatoby aminigny fanova ze mary gny seza fiandrianany.6Ka magnome voninahisy gny vatanao eo aminigny fagnatrehany pazaka dra ka misanga amigny toera voatendry ho anigny olon'agnabo.7soa vatany raha mizaka aminao izy ho: "Mekara etiky," noho gny hangalany baraka anao eo agnatrehanigny olo-mana-kaza raiky. 8Ka andesy malaky agny aminigny fisara, ze natrehiny gny fa manao ze ahagnasy anao gny piara manin'aminao aminigny farany?9Ialio havisy eo amasonao vo gny piara manin'aminao vao gny raharahanao dra ka mamoaky gny sembaratelonigny hafa, 10raha sy zay dra hitariky fahamegnaran'aminao vo tatisy rasy momba anao gny nahare anao dra sy ho laisy mapanginy.11Gny poma volamena eo aminigny pisy volafosy dra zaka nizaka taminigny fotoa mety. 12Gny perasy volamena na firavaky natao taminigny volamena soa indrindra dra anasy hendry ho anigny sofy miteno.13Gny iraky matoky dra manahaky gny hasiaky gny ora-panala aminigny fotoa-piziza ho an'ireo ze magniraky anazy; mapihery gny ain'ireo topony izy. 14Raho vo gny rivosy sy misy ora ze mirehareha aminigny fagnomeza ze sy nameny.15Ami-pahareta gny ahafaha mandresy lahasy gny panapaky dra gny lela malefaky dra mety hanapaky tola.16Raha mahita tately hanao, dra ze apy avo gny hany__raha sy zay, dra hapandoa anao, gny fihinana maro loasy anizay. 17Ka apidira matetiky loasy ao atragnonigny namanao gny tombokao, mety ho esak'anao izy dra halaik'anao.18Gny olo ze mizoro vavolombelo sy mary momba gny namany dra manahaky gny langilangy, na mesa, na zana-sipiky maragnisy apiasan'amigny aly. 19Gny olo sy matoky ze itokianao aminigny fotoanigny fahoria dra manahaky gny nify rasy na tomboky mibolisasy.20Manahaky gny olo raiky ze magnalaky gny akazony aminigny andro mangasiaky, na manahaky gny vinaingisy nararaky teo agnabonigny sirahazo ze mikalo hira ho anigny fo mavesasy.21Raha resy gny fahavalonao, dra omeo sakafo hohany izy, dra raha mangetaheta izy dra omeo rano ho nomy, 22fa hanambasy vain'afo eo aminigny lohany hanao dra hamaly soa anao i Yaveh.23Manahaky gny hindesanigny rivosy avarasy ora vatany, dra hamandriky gny endriky ho ory gny lela ze mizaka sembaratelo. 24Soa vatany gny mitoby eo aminigny zoronigny tafo-tragno noho gny ao aminigny tragno ze hiraisana aminigny valy pialy lava.25Manahaky gny rano mangasiaky ho an'ize mangetaheta, gny vaovao mahafaly boak'agny aminigny firenena lavisy. 26Manahaky gny loharano voahososy vo fasaka rava gny olo-mary mikoy eo agnatrehanigny olo rasy fagnahy.27Sy soa gny mihiny tately maro loasy; manahaky gny ho mitalia voninahisy miapy voninahisy zay. 28Gny olo sy mana fahafeheza-tegna dra manahaky gny tana rava vo sy misy manda.
Chapter 26

1Manahaky gny ora-panala aminigny lohatao na ranon'ora aminigny tao-piziza, gny sy maha-mendri-kaza gny mola. 2Manahaky gny foly mitily vo gny sidisidiky mitily , gny sy hizosoanigny ozo sy mendriky.3Gny karavasy dra ho anigny sovala, gny lamboridy dra ho anigny apondra dragny sorakazo dra ho anigny lamosinigny mola. 4Ka mamaly gny mola araky gny hamolany, raha sy zay dra ho afabaraka manahaky anazy hanao.5Valio gny mola dra mitoviza aminigny hamolany, dra sy ho hendry eo imasony avo izy. 6Na iza na iza mandefa hafasy aminigny tananigny mola dra manapaky gny tombony avo sady mino herisetra.7Manahaky gny tomboky gny mararinigny paralysisa ze miraviravy gny ohabola ao am-bavanigny mola. 8Manahaky gny mamehy vato aminigny asamotaly gny magnome voninahisy gny mola.9Manahaky gny silo ze miletiky ao atagnanigny mamo lava gny ohabolan'ao am-bavan'ireo mola. 10Manahaky gny pandefa sipiky ze mandrasy gny maro magnodidin'anazy gny olo ze magnarama mola na magnarama ze sendra mandalo.11Manahaky gny amboa miheri'aminigny loany, dra manahaky anizay koa gny mola ze magnery gny hadalany. 12Mahita olo hendry eo imasony avo ra hanao? Gny mola misy atenay kokoa noho gny aminazy.13Gny olo kamo manao anizahoky ho: "Misy liona egny an-dala! Misy liona egny akalamazana!" 14Manahaky gny ravarava mihodin'aminigny saviliny, dra manahaky anizay koa gny olo kamo eo apandriany.15Gny olo kamo dra mametraky gny tagnany ao andoviany nefa sy mana hery hagnenga anizay ho ao am-bavany izy. 16Gny olo kamo dra hendry eo imasony avo noho gny olo fito mindray aminigny faheza-magnavaky.17Manahaky gny mihazo gny sofonigny amboa gny pandolo ze ory aminigny fifamalia sen'azy.18Manahaky gny olo mitapy ze magnary zana-sipiky mirehisy, 19gny olo ze mamitaky gny piara-belon'aminazy dra manao anizahoky ho: "Sy nivazivazy ra zaho?"20Nohonigny sy fisianigny hita, dra maty gny afo; dra agny amize sy misy pifosa dra misahasy gny fifandrina. 21Manahaky gny hary mapirehisy gny bak'afo vo gny hita aminigny afo, dra manahaky anizay koa gny olo tia aly mandrehisy fifandira.22Gny vatanigny pifosa dra manahaky gny hany masiro; Mizosoa ao agnatinigny farisy gny vatan'ireo. 23Manahaky gny akososy taim-bolafosy mandrakosy gny vilagny tany gny molosy mirehisy vo gny fo rasy.24Ze malaiky gny hafa dra manaro gny fihetseha-pony aminigny molony dra mandrakizay fitaky ao agnatiny avo. 25Hizaka ami-pahasoava izy, saingy ka mino anazy, akory misy fahavetaveta fito ao apony. 26Na dre voasaro fitaky aza gny fakahalany, dra haharisy eo aminigny fengona gny faharasiany.27ze rehetra mihaly lavaky gny hezera ao amizzay dra gny vato dra hikodia eo amize nandrozin'anizay. 28Gny lela mavandy dra malaiky gny olo ze torotoron'izay dra gny molosy mandoka minday faharava.
Chapter 27

1Ka mirehareha aminigny apiso, fa sy fatasao ze mety handesinigny anio. 2Aoky olo-kafa gny handoka anao fa sy gny vavanao avo; gny vahiny fa sy gny molosao avo.3Saino gny havesasy gny vato vo gny lazanigny fasy__gny fihasihanigny mola dra mavesasy vatany noho reo ro reo. 4Misy gny habibianigny haoria vo gny fandriaky gny haoria, fa iza gny afaky hizoro eo anoloanigny hasarota-piaro?5Aleo anasy apahibemaso toy zay fitia avony. 6Mahatoky gny rasy ataonigny nama, fa gny fahavalo dra mety hagnoroky mitafotafo anao.7Gny olo ze nihina mandra-pahavisiny dra manda na dre gny toho-tately aza, fa ho anigny olo resy koa, dra mamy gny raha mafaisy aby. 8Manahaky gny voro ze mirenireny miala aminigny akaniny gny olo ze maniasia miala aminigny fonegnany.9Gny ranomagnisy vo emboky magnisy dra mapifaly gny fo, fa gny hamamianigny namany dra avy boak'aminigny torohevisy ami-kisi-po. 10Ka mahafo gny namanao vo gny ranigny namanao, dra ka magnagny aminigny tragnonigny rahalahinao amigny andro-hahavoazanao. Soa vatany gny nama ze akaiky noho gny rahalahy ze lavisy.11Hendre, ry zanako, dra apifalio gny foko; dra hamaly anigny maneso anahy zaho. 12Gny lelahy malio dra mahatalaky gny loza dra mivony, fa gny olo babo dra mandroso avo dra mizaly noho izay.13Alao gny akazon'ize nagnome atoky aminigny vahiny, dra tano ho atoky zay gny fa magnome atoky aminigny apela rasy fitondra-tegna izy. 14Na iza na iza magnome sondrano gny namany aminigny feo abo vo maraindraim-be, dra raisy hanahaky gny ozo ze sondrano zay!15Gny valy pifalisy dra manahaky gny ora-mikiza aminigny andro fahavarasy; 16gny mihazon'anazy dra manahaky gny mihazo rivosy, na miezaky mamihina dililo aminigny tagnanao akavana.17Gny vy mandragnisy vy; manahaky anizay, gny lelahy mandragnisy gny namany. 18Ze mikarakara gny hazon'aviavy dra hihina gny tegnany, dra ze miaro gny topony dra homem-boninahisy.19Manahaky gny tarasy gny rano aminigny endriky gny olo, gny tarasy gny fonigny olo amigny olo. 20Manahaky gny Fiegna-sy hita vo gny Fandringana sy afapo mandrakizay, dra manahaky anizay gny masonigny olo sy ho afapo mandrakizay.21Gny memy ho anigny volafosy dra gny fatagnafo fandrendreha ho anigny volamena; dra aminigny fidera anazy gny hisapa gny olo. 22Na dre lisaninao aminigny fandisana aza gny mola__miaraky aminigny vary__dra bo sy hiala aminazy avo gny hamolany.23Atovy azo atoky fa fatako gny toetry gny agnondrinao dra diniho gny momba reo biby tezanao, 24fa gny harena dra sy mandrakizay. Maharisy ho anigny taranaky aby ra gny satro-boninahisy? 25Gny fa miala gny ahisy dra misiry gny solofony, dra avory boak'egny aminigny havoa gny ahisy ho an'ireo agnondry aman'osy.26Reo zanak'agnondry reo gny hagnome gny fitafianao dra reo osy gny hagnome gny saranigny saka. 27Hisy rononon'osy ho anigny sakafonao__sakafo ho anigny tokatragnona__dra sakafo ho anigny panoponao apela.
Chapter 28

1Mienga gny rasy fagnahy raha sy misy olo magneziky anazy, fa gny olo-mary dra mahavany manahakay gny liona tanora. 2Nohonigny fandikan-dalanigny tany, dra mana panapaky maro izy, fa raha mindray aminigny olo mana fahazava-say vo fahalala, dra haharisy ela zay.3Gny olo mahatra ze mapahory olo mahatra hafa dra manahaky gny ora mivatravatra ze sy magnenga hany. 4Reo ze mahafo gny lalana dra midera olo rasy fagnahy, fa reo ze mitandry gny lalana dra hialy amin'ereo.5Gny olo-drasy dra sy mahatakasy gny rariny, fa reo ze mitalia an'i Yaveh gny mahatakasy gny rah'aby. 6Soa kokoa ho anigny olo mahatra gny mandeha aminigny fahisia, noho gny ho anigny olo panandraha ze meloky aminigny lalany.7Ze mitandry gny lalana gny zanaky mana fahazava-say, fa ze namanigny tenda-kany mahamegnasy gny rany. 8Ze mihary gny heriny aminigny zana-bola be loasy dra mamory gny hareny ho anigny hafa ze hana-piatra amigny olo mahatra.9Raha misy olo mamarosy gny sofiny sy hiteno gny lalana, na gny fivavahany aza maharikoriko. 10Na iza na iza mamily lala gny mahisy aminigny lalan-drasy dra hilasaky ao aminigny lavany avo, fa gny sy mana signy gny hana lova soa.11Gny olo manan-draha dra mety ho hendry eo imasony avo, fa gny olo mahatra ze mana fahazava-say gny hahita anazy. 12Gny fa misy fandresena ho anigny olo-mary, dra misy voninahisy lahibe, fa gny fa misanga gny rasy fagnahy, dra mivony gny olo.13Ze magnavony gny fahotany sy hambiny, fa ze miaiky vo mahafo reo gny hanehoa famindra-po. 14Ho tahina ze miay aminigny fanehoa-pazaka mandrakariva, fa ze magnamafy gny fony dra ho tra-pahoria.15Manahaky gny liona miero na bera miremby gny panapaky rasy fagnahy eo aminigny olo mahatra. 16Gny panapaky sy apy fahazava-say dra papahory lozabe, fa ze malaiky gny sy fahamarigna gny hapitombo gny androny.17Raha meloky gny olo raiky akory nandasaky lion'olo, dra ho pisoa-ponegna mandra-pahafatiny izy dra sy hisy olo hamozy anazy. 18Na iza na iza mandeha aminigny fahisia dra harova, fa gny raiky ze mandeha aminigny lala-meloky gny ho lavo tapoky.19Ze miasa gny taniny dra hana hany maro, fa na iza na iza magnaraky gny raha-foana dra hahazo fahatra maro. 20Gny olo matoky dra hana fitahia lahibe, fa ze malaky mahazo harena dra sy ho afa-may.21Sy soa gny maneho fengara, fa ho anigny tapa-,ofo gny havoanigny olo gny sy mety. 22Gny olo kahihisy dra magneziky gny fa malaky, saingy sy fatasy fa gny fahatra gny ho avy eo aminazy.23Na iza na iza magnatrasy olo, dra hahita sitraky maromaro boak'aminigny raiky ze mandoky anazy aminigny lelany afaran'izay, 24Na iza na iza mandroba gny rany vo gny reniny dra mizaka ho: "Sy fahota zay," dra namanigny raiky ze manola izy.25Gny olo sy mahono-tegna magnesiky fifandira, fa ze matoky an'i Yaveh gny hambiny, 26Ze matoky gny fony avo dra mola, fa na iza na iza mandeha apahendrena dra hienga gny loza.27Ze magnome gny mahatra dra sy ho ory na ino na ino, fa na iza na iza mihiri-belo amin'ereo dra handray ozo marobe. 28Gny fa misanga gny olo rasy, dra miafy gny olo, fa gny olo rasy fagnahy dra ho foa, dra hitombo gny olo-mary.
Chapter 29

1Gny olo raiky ze nandray anasy maro kanefa magnamafy gny hatony dra ho rava ao agnatinigny fotoa fahy sy misy fagnasitragna. 2Gny fa mitombo gny olo-mary rasy fagnahy gny panapaky, dra miseho gny olo.3Na iza na iza tia gny fahedrena dra mahafaly gny babany, fa izay midray amigny pizangazanga dra manola gny hareny. 4Mametraky gny tany amigny babany gny pazaka, fa izay mangataky solosy koa dra manola izay.5Gny olo izay mandoka gny namany dra mamelasy harato ho an'ny tombony. 6Ao amigny fahotan'ny rasy fagnahy gny fadriky, fa gny olo- marina koa dra mihira dra mifaly.7Gny olo-marina dra mihevisy gny alin'ny olo mahatra; gny olo rasy fagnahy dra sy mahatakasy fahalalana toy izay. 8Mapirehisy gny tanana gny panirasira, fa ireo izay hedry koa dra mapivily fahatezerana.9Gny fa mialy hevisy amigny mola gny olo-hedry, dra sy hisy fisahara. 10GNy lia-dra dra malaiky izay sy mana-signy dra mifofo gny ain'ny marina.11Gny mola dra mapiseho gny haoriany aby, fo gny olo-kendry koa dra mitan'anizay dra mapitony gny vatany. 12Raha miteno vandy gny panapaky, dra ho rasy fagnahy avokoa reo mana-pahefan'aby.13Gny olo mahatra vo gny papahory dra mitovitovy, fa Yaveh dra magnome hazava ho anigny mason'ereo ro. 14Raha misara gny mahatra aminigny fahamarigna gny pazaka raiky, dra hitoby mandrakizay gny seza fiandrianany.15Gny sorakazo vo gny anasy dra magnome fahendrena, fa gny zanaky afaky taminigny fisipiky dra mahamegnasy gny reniny. 16Gny fa eo aminigny fahefa gny olo rasy fagnahy, dra mitombo gny fandika-dalana, fa gny olo-mary koa dra hahita gny fiongananigny olo rasy fagnahy.17Fehezo gny zanakao dra hagnome fisaharan'anao izy; hinday hamamia aminigny fiegnanao izy. 18Agny amizy sy misy fahita ara-paminany dra mihabiby gny olo, fa tahy ze mitandry gny lalana.19Sy ho voahisy aminigny zaka gny andevo, fa na dre mahatakasy izy; dra sy hisy valiny. 20Atio gny olo ze malaky fizaka? Misy fanatena bebe kokoa ho anigny mola noho gny aminazy.21Ze mapihata gny andevony hatraminigny fahatanorany, dra hana olon'agny aminigny faran'izay. 22Gny olo ory magnesiky fifandira dra gny toponigny fahoria hanao fahota maro.23Gny avognavonigny olo mapihetry anazy, fa ze mana fagnahy mietry koa dra homem-boninahisy. 24Ze mizara aminigny pangalasy dra malaiky gny ainy avo; mahare gny ozo izy fa sy mizaka na ino na ino.25Gny tahosy gny olo dra mahaavy fandriky, fa ze matoky an'i Yaveh gny ho voaaro. 26Maro reo ze mitalia gny tavanigny panapaky, kanefa boak'amin'i Yaveh gny rariny ho anigny olo raiky.27Gny olo sy mary dra fahavetaveta ho anigny olo-mary, fa ze mahisy lala koa dra maharikoriko gny olo rasy fagnahy.
Chapter 30

1Gny zakan'i Agora zanak'i Jake__fapita: nitory tamin'i Itiela io lelahy io, tamin'i Itiela vo i Okala: 2Manahaky gny biby tokoa zaho mihoasy gny olo dra sy mana gny fahazavasainigny olombelo zaho. 3Sy nianasy fahendrena zaho, na mana gny fahalala gny Ray masy.4Iza gny niakasy vo hizoso tagny an-dagnisy? Iza gny namory gny rivosy tegny atagnany? Iza gny navoavory gny rano teo aminigny lambany? Iza gny nagnory gny faranigny tany aby? Iza gny agnarany, dra iza gny ragnaranigny zanany? Fatasao tokoa zay!5Voazaha toetra avokoa gny zakan'Agnahary; apinga ho an'ireo ze mialoky aminazy Izy. 6Ka magnapy aminigny zakany, soa ho faizy hanao, dra ho voaporofo fa pavandy.7Raha ro gny angatahiko aminao, dra ka mihazo reo melohanigny hahafatesako: 8Alaviro anahy gny zava-poa vo gny vandy. Ka omen'anahy na gny fahatra na gny harena, fa omeo anahy avo gny hany ze taliaviko. 9Fa raha mana maro loasy zaho, dra mety handa hanao dra hizaka ho: "Iza moa i Yaveh?" Na raha tonga mahatra zaho, dra mety hangalasy dra handoto gny agnaranigny Zagnahariko.10Ka mangendrikendriky gny andevo eo agnatrehanigny topony, soa hagnozon'anao iza dra ho voata ho ory hanao izy dra ho voata ho meloky hanao.11Misy taranaky magnozo gny rany sady sy misaotra gny reniny. 12Misy taranaky malio eo imasony avo, kinazo sy voasasa taminigny lotony akory.13Misy taranaky manaadrasy gny masony, dra endrey gny fisandratanigny holi-masiny! 14Misy taranaky ze mandrasy gny nifiny, dra gny valanoranony manahaky gny rasy, ba handrapahany gny mahatra hiala aminigny tany dra gny ory sy ho eo aminigny zanak'olombelo.15Gny lita managnanaky vaviny ro: "Omeo, Omeo" hoy gny fihiakiakiny. Misy raha telo ze sy mety afapo, efasy ze sy ba mizaka mihisy ho: "Apy zay": 16dra gny Fiegna-sy hita; gny kibo momba; gny tany sy voton-drano; dra gny afo gny sy ba mizaka mihisy ho: "Apy zay!" 17Gny maso ze manirasira gny babany sady mandrabiraby gny fakatoava gny reny, ho saingohanigny koaky agny agnahisy gny mason'izay, dra ho laninigny volotoro izy.18Misy raha telo izay mahagaga loasy ho anahy,eny efasy izay sy takaso:19Gny lalan'ny voramahery egny an-dagnisy; gny lalan'ny bado egny an-dagnisy; gny lalan'ny sambo egny amigny ranomasina; ary gny lalan'ny lelahy miaraky amigny tovovavy.20Zao gny fombanigny apela zanga: mihina izy dra mamafa gny vavany dra mizaka ho: "Sy nanao rasy zaho."21Mihovisovisy eo ambaninigny raha telo gny tany, dra ambaninigny raha efasy gny sy zakany: 22dra gny andevo raha avy pazaka, gny mola raha visy hany; 23gny apela hala raha apakary; dra panopo vavy raha mangalaky gny toeranigny topo vaviny.24Raha efasy eto atany gny kely kanefa hendry tokoa: 25gny vikisy dra voahary sy matazaky, kanefa magnoma gny sakafony aminigny fahavarasy ereo; 26gny hyraky gny vato dra sy voahary mahery, kanefa manao gny fonegnany agnaty vatolapy.27Gny valala dra sy mana pazaka, kanefa mirindra milahasy soa gny liany. 28Dra gny aminigny asiasy, dra azonao hazogny aminigny tagnanao ro zay, kanefa dra hita agny amireo lapanigny pazaka.29Misy raha telo tena soa famindra vo efasy tena soa gny fomba fandehany: 30gny liona, ze mahery indrindra amireo bibidia__sy miery aminigny ino na ino zay; 31gny akoholahy pialy; gny osilahy;dra gny pazaka ze eo agnilany gny miaramilany.32Raha mola hanao, manandra-tegna, na raha namisavisa rasy__dra atovy eo am-bavanao gny tagnanao. 33Gny fagnosakosagna gny ronono gny mahavy ronono mandry dra manahaky gny fiboahan-dio aminigny oronigny olo raha ahodikody zay, dra manahaky anizay koa gny asa atao amin-kahoria dra miteraky aly.
Chapter 31

1Ireo zakan'i Lemoela pazaka__anasy napianarin'ny reniny anazy. 2Ino, ry zanako? Ino izay, ry zanaky gny kiboko? Ino gny taliavinao, ry zanaky gny voadiko? 3Ka ame gny vehivavy gny herinao, na gny lalanao ho an'ireo izay mamotiky gny pazaka.4Izay dra sy ho an'ny pazaka, dra Lemoela, sy ho an'ireo pazaka gny fisotrana divay, na koa ho an'ny panapaky ba hagnotany ho: ''Eza gny zava-pisotro mahery?'' 5Fadrao halignon'izy ireo izay fa voadidy, dra hamadiky gny marina izay amigny fahoriana rehetra.6Omeo zava-pisotro mahery gny olo izay fa ho maty dra divay hi an'ireo agnaty fahoria mangily. 7Hino izy dra hagnaligno gny fahatrany dra sy hahasiaro gny fahoriany izy.8Mizaka ho an'ireo izay sy afaky mizaka, ho an'ny adin'izay rehetra fa ho maty. 9Mizaka matrasy dra misara araky gny rariny dra misoloa vava ho an'ny olo mahatra vo ory.10Iza gny afaky mahita vehivavy mahavita anazy? Gny lazany dra mihoasy lavisy noho gny firavaky. 11Gny fon'ny valiny mitoky aminazy, dra sy hahatra mihisy izy. 12Manao zava-soa hon'azy izy dra sy manao rasy amigny andro-piaignany rehetra.13Misafidy volon'agnondry vo rongony izy, dra miasa an-kafaliana amigny tagnany. 14Manahaky ireo sambon'ny panao raharaham-barosy izy; avy lavisy gny andesany gny sakafony. 15Mifoha izy gny bo hariva dra magnome hany ho an'ny ankohonany, dra mizara gny asa ho an'ireo panopo vaviny.16Izy gny mandiniky gny saka dra mivily izay, amigny vokasy gny tagnany gny amboleny voaloboky. 17Mapitafy hery gny vatany dra mapatazaky gny sandrny.18Mahafatasy izay mety ho tombony nsoa hon'azy izy; mandrisy gny alina tontolony gny zirony dra sy maty. 19Apetrany eo amigny ampela gny tagnany, dra tanany gny fihazognam-bohavona.20Magnasotra gny tagnany amigny olo ory izy. 21Sy matahosy amigny oram-panala ho amigny ankohonany rehetra dra mignisy volona-gnondry mena.22Magnamboasy firakosy ho an'ny fandriany izy, dra miakazo fitafy rongony matify voloparasy. 23Gny avaliny gny fatasy ao amigny vavahady, rehefa mitoboky midray amigny loholon'ny tany izy.24Magnamboasy akazo rongony fosy izy dra mamarosy ireo, dra namasy samboady ho an'ireo pamarosy izy. 25Mitafy gny hery vo gny voninahisay izy, dra mohomehy amigny fotoana ho avy izy.26Manokaky gny vavany amigny fahedrena izy dra eo amigny lelany gny lalan'ny hasara-pagnahy. 27Mihobia gny lalan'ny ankohonany izy dra sy mihinana gny mofon'ny fahalainana.28Manokaky gny zanany dra mitoka anazy ho voatahy, dra midera anazy gny valiny, manao ho: 29''Maro gny vehivavy fa nanao gny soa, saingy mihoasy anazy rehetra hanao.''30Fitaky gny fahasarana, zava-poana gny hasaran-tarehy, fa gny vehivavy matahosy an'i Yaveh, dra ho deraina izy. 31Omeo anazy gny vokasy gny tagnany dra aoka gny asany hidera anazy amigny vavahady.

Ecclesiastes

Chapter 1

1Tahoky gny zakan'gny Mpitoriteny, gny taranak'i Davida vo pazakan'i Jerosalema.2Gny Mpitoriteny mizaka zao." Manahaky gny enton'gny zavo, manahaky gny sio-drivosy, gny fanzavonan'gny raha aby, manenga fagnotania maro.3Ino gny tombon-soa azon'gny olombelo boak'amin'gny asa aby ze nirokafany teo ambany masoandro?4Gny taranaky raiky lasa, vo gny taranaky raiky hafa avy, kanefa gny tany mitoesy mandrakizay.5Miposaky gny masoandro, vo miletiky zay vo meky hihery agny amin'gny toera ze hiposahany ndraiky.6Misioky magnasimo gny sioky dra manao faribola mihodiky magnagny avarasy, mandeha mihodiky amin'gny lala hatragny vo mihery ndraiky.7Reo ony aby mikoria an-dranomasy agny, fa gny ranomasy sy mbo mety feno. Agny amin'izay toera handehan'ireo ony, gny handehanan'izay ndraiky.8Nazary mandrokaky gny raha aby, dra sy misy afaky magnazava zay.Gny maso sy afa-po amin'ize hitany, na gny sofy tateraky amin'ize reny.9Ze iaby fa teo dra mbo ho eo, vo ze iaby fa vita gny mbo ho ahy. Sy misy raha vaovao ambany masoandro etiky.10Moa se misy raha zay mety ho zakay ho: 'Ingo, raha vaovao tiky'? Ze iaby misy dra nisy hatramin'gny fotoa ela, nandris'ireo tao ze avy ela talohasika.11Sahala sy misy hita mahatadidy reo raha ze niseho tamin'gny fotoa fa ela, vo reo raha ze niseho vo sy elavo reo ze mbo hiseho amin'gny ho avy dra sy ho tadidy koa."12Zaho gny Mpitoriteny, sady fa pazaka teo amin'Israely tagny Jerosalema.13Napiasa gny saiko zaho mbo hianasy sady hitalia am-pahendre gny raha aby ze nahy teo ambanin'gny lagnisy. Zay fitaliava zay dra asa mavesasy ze nomen'Agnahary an'ireo zanak'olombelo mbo hirokafa.14Fa hitako aby gny asa aby ze nahy teo ambany masoandro, vo ingo, izy aby reo dra ento mihavosa vo fikasa gny hanohisy gny rivosy.15Gny meloky dra sy mety hahisy! Gny sy avy sy azo isay!16Nizaka tamin'gny foko zaho nanao ho:" Ingo, zaho dra nahazo fanhendre lahibe noho reo iaby ze talohako tagny Jerosalema. Gny saiko dra nahita fahendre vo fahalala lahibe."17Koa napiasa gny foko zaho mbo hahalala fahendre vo fahaverezan-say vo hadala avo koa. Avy zaho mbp hahatakasy fa fikasa gny hanohisy gny rivosy avo koa zay.18Fa amin'gny fitobahan'gny fahendre gny mapisy fahoria be, vo ze mapitombo fahalala dra mapitombo alahelo.
Chapter 2

1Ho zaho am-po ho: "Magnatogna zao, hisapa anao amin'gny hafalia zaho. Ka tiava fahafinareta."2Fa ingo, sio-drivosy mandalo avo zay. Ho zaho tamin'gny fihomeza ho: " Fahadala zay," vo tamin'gny fahafinareta ho: " Ino gny ila anizay?"3Nagnety gny tao am-poko zaho ho akory gny hahitako fahafinareta amin'gny divay. Engako tarihin'gny saiko amin'gny fahendre zaho ndre dra mbo voata tamin'gny hadala avo aza zaho. Te hahita ze soa ho an'gny olo mbo hahy etiky ambanin'gny lagnisy zaho mandris'ireo andro hiainany.4Nagnatateraky raha lahibe zaho.Nananga tragno ho anahy zaho dra namboly teo amin'ireo tanim-boaloboky.5Nananga zaridaina vo saha ho an'gny vatako zaho; namboly reo karazan-kazo aby fihinam-bihy teo amin'izay zaho.6Namoro farihin-drano mbo hamasia rano reo ala ze nitomboan'ireo hazo zaho.7Novliko reo andevo lahy vo reo andevo apela; nana andevo teraky tao an-dapako zao. Nana agnomby maro vo agnondry vo aosy ho biby fiteza avo koa zaho, maro mihoasy noho gny an'ireo pazaka ze nanapaky teo alohako tao Jerosalema.8Namory volafosy vo volamena, gny haren'ireo pazaka vo reo faritany ho an'gny vatako avo koa zaho. Nana piansa lelahy vo apela ho an'gny vatako manoka zaho---reo fahafinaretan'gny zanak'olombelo---vo valy masay maro.9Dra nazary lahibe vo pagnarivo mihoasy noho reo aby ze talohako tao Jerosalema zaho, vo gny fahendreko nitoesy taminahy.10Ndre ino ndre ino nirin'gny masoko, dra sy nitanako tamin'ireo. Sy nita gny foko tamin'gny fahafinareta aby zaho, akory gny fooko dra nifaly tamin'gny asako aby vo gny fahafinareta gny valisoako tamin'gny asako aby.11Dra nagnety reo asa aby vitan'gny tagnako zaho, vo reo firokafa ze nahiko, fa gny raha aby dra ento vo fikasa hanohisy gny sioky ndraiky. Sy hisy tombon-soa tamin'ze tetiky ambanin'gny masoandro.12Boakeo dra nitoliky zaho mbo hihevisy gny fahendre,vo koa gny fahaverezan-say vo gny fahadala. Fa ino gny azon'gny pazaka ho avy handimby gny pazaka ahy,zay sy mbo tateraky?13Dra nanomboky nihanazava gny saiko fa gny fahendre dra ahazoa tombony loasy noho gny fahadala, manahaky gny fahazava soa loasy noho gny ezy.14Gny olon-kendry dra mapiasa gny masony eo amin'gny lohany mbo hagnitia gny lala andehana, fa gny mola ddra mandeha amin'gny ezy, ndre dra fatako aza fa lahatry mitovy avo gny ho an'gny olo aby.15Dra ho zaho tam-poko tao ho: "Ze mahazo gny mola , dra hahazo anahy avo koa. Ka ino gny maha-sambihafa anizay no vatany hendry zaho?" Dra nifeheziko tam-poko tao ho: " Tiky koa dra ento avo."16Fa gny olon-kendry, manahaky gny mola, dra sy saroy ela akory. Ho avy gny andro zay hagnalignoa gny raha aby. Gny olon-kendry dra maty manahaky gny mahafaty gny mola.17Ka dra nakalay gny fiaigna zaho akory reo asa aby ze vita teo ambany masoandro dra rasy taminahy. Zay dra akory gny raha aby dra ento vo fikasa hanohisy gny sioky.18Halako aby reo fikasako aby ze niasako tegny ambany masoandro akory dra sy mainsy manenga regny afara agny ho an'ze lelahy ho avy magnaraky anahy zaho.19Fa ia gny mahay na ho olon-kendry izy na ho mola? Nefa izy dra ho tompo eran'gny raha aby ambany masoandro zay nasangan'gny firokafako vo fahendreko. Ento avi koa zay.20Noho zay dra nanomboky namoy fo tamin'ireo asa aby ze nahiko teo ambany masoandro zaho.21Fa mety misy olo ze misasasy amin'gny fahendre, amin'gny fahalala, vo amin'gny fahaiza-manao, fa hengany ho an'gny lelahy ze sy nanao ndre raiky tamin'ireo aza gny raha aby hanagnany. Zay koa dra ento vo loza lahibe.22Fa ino gny tombon-soa azon'gny olo ze miasa fatrasy vo miezaky manao amin'gny fony reo asany eo ambany masoandro?23Isan;andro dra maharary sady mapialy say gny asany, ka dra sy mahita fisahara gny fagnahiny amin'gny hariva. Zay koa dra ento.24Sy misy raha soa amin'gny olo mihoasin'gny ho mihina vo mino avo vo afa-po amin'ze soa amin'gny asany. Dra nahita zaho fa avy amin'gny tagnan'Agnahary zay mary zay.25Fa ia gny afaky hihina na ia gny afaky hana fahafinareta isan-karazaky ankoasy gny bokamin'Agnahary?26Fa ze sy mahafaly Anazy, dra homen'Agnahry fahendre vo fahalala vo fifalia. Kanefa, gny panota dra omeny gny asa famoria vo fitahiriza mbo hahafahany magnome anizay ho an'gny olo ze mahafaly an'Agnahary. Zay koa dra isan'gny ento vo fikasa hanohisy gny sioky.
Chapter 3

1Fa gny raha aby dra fa voatondro amin'gny fotoany, vo gny vanim--potoa ho amin'gny tanzona kiraidraiky ambany lagnisy.2Misy fotoa ahateraha vo gny fotoa ahafatesa, fotoa hambe vo fotoa hamokara, 3Fotoa hamonoa vo fotoa hagnasitragna, fotoa handrava vo fotoa hanangana.4Misy fotoa hitomagnia vo fotoa hihomeheza, fotoa handala vo fotoa handihiza,5fotoa hagnariam-bato vo fotoa hamoriam-bato, fotoa hamihigna olon-kafa, vo fotoa handrara gny famihigna.6Misy fotoa hitaliavan-draha vo fotoa hiegnena mitalia, fotoa hifikira amin-draha vo fotoa hagnaria anizay,7fotoa hanataha vo fotoa hanzaira, fotoa hisigna vo fotoa hizaka.8Misy fotoa hitiava vo fotoa hankalegna, fotoa hialia vo fotoa hihavagna.9Ino gny tombony azon'gny piasa amin'gny asany?10Fa hitako gny asa ze omen'Agnahary ho taterahin'gny olombelo.11Fa nano gny raha aby hifagnaraky amin'gny fotoany Zagnahary. Fa napitoesy gny mandrakizay tao am-pon'ereo avo koa Izy. Nefa sy afaky hahatakasy gny asa lahibe zay nahin'Agnahary gny olombelo, hatramin'gny fetombohany ka hatramin'gny fifaragnany.12Fatako fa mosy raha soa ho an'gny olo noho gny mifaly vo manao raha soa hatragny no mbo velo koa izy---13vo gny olo aby dra tokony hihina vo hino, dra tokony hahay hifaly amin'gny soa ze boakamin'gny asany aby. Fagnomeza boakamin'Agnahary zay.14Fatako fa ze iaby ahin'Agnahary dra maharisy mandrakizay. Sy afaky apia zay na angala, akory Zagnahary gny fa nanao anizay mbo agnatognan'Gny olo Anazy amin'gny voninahisy.15Ze iaby misy dra afa nisy, ze iaby hisy dra fa nisy. Zagnahary dra nanao gny olombelo hitalia reo raha mivony.16Fa nahita gny faharasia ze etiky ambany masoandro zaho, zay tokony hisy gny rariny, vo eo amin'gny toeran'gny fahamarigna, dra gny faharasia gny tao.17Ho zaho am-po ho: " Ho sarain'Agnahary amin'gny fotoany gny olo-mary vo gny rasy fagnahy gny amin'gny raharaha vo gny asany aby,"18Ho zaho am-po ho: " Mizaha toesy gny olombelo Zagnahary mbo hanehoa andreo ga manahaky gny biby ereo."19FA amin'ero dra sahala gny mahazo gny zanak'olombelo vo gny mahazo gny biby. Gny fahafatesan'gny raiky dra manahaky gny fahafatesan'gny raiky hafa. Mitovy gny fofon'ain'izy aby. Sy misy tombony ho an'gny olombelo eo amin'gny biby. Fa moa se sy fofon'ay avo gny raha iaby?20Gny raha iaby dra samby mizotry amin'gny toera raiky. Gny raha iaby dra boakamin'gny botany, vo gny raha iaby dra hipoly botany.21Ia gny mahay na miakasy ambony agny gny fagnahin'gny olombelo vo mizoso amin'gny tany ambany agny gny fagnahin'gny biby?22Ka dra sapako ndraiky fa sy misy raha soa ho an'gny olo noho gny mifaly amin'gny asany, fa zay gny asa nanendre anazy. Ia gny afaky handay anazy mihery mbo hagnety ze miseho afarany?
Chapter 4

1Nandiniky ndraiky mandeha mahakasikin'gny fahoria aby ze vita teo ambany masoandro zaho. Dra ingo, gny ranomason'gny napahoria, vo ereo dra nana ndre ia ndre ia mbo hapiono anazy! Teo an-tagnan'gny papahory andreo gny hery, vo sy nisy ndre raiky aza hapiono andreo!2Noho zay dra miarahaba gny olo maty zaho, reo ze fa maty, fa sy gny miay, reo ze mbo velo.3Kanefa, sambasy noho ereo ro gny olo ze sy mbo noharia, ze sy mbo nahita gny asa rasy aby ze vita teo ambany masoandro.4Vo itako fa gny asa kiraidraiky vo gny fahaiza-manao kiraidraiky dra nazary fisiriritan'gny piara-mony hasa. Zay avo koa dra ento vo fikasa hanohisy gny sioky.5Gny mola mamorisy gny tagnany sady sy miasa, ka dra gny nofony avo gny hahiny.6Fa soa loasy gny tombony raiky tana amin'gny asa mangiky noho gny ro tana amin'gny asa zay miezaky gny manohisy sioky.7Boakeo dra nandiniky mahakasikin'gny raha fahatany maro ndraiky zaho, fifanzavogna zavo maro teo ambany masoandro.8Misy gny larazan-delahy ze mitoboky raiky. Sy mana ndren ia ndre ia izy, ndre zanadahy ndre rahalahy. Sy misy fifaragna gny asany, vo gny masony sy mbo afa-po amin'gny harena azo. Nagnotany tegna izy ho: " Ho amin'ai gny hiasako fatrasy vo handavan'gny vatako gny fifalia?" Raha fahatany avo koa zay, toe-draha rasy.9Soa loasy gny olo ro miasa noho gny raiky; no mindray ereo dra afaky mahazo karama soa ho an'gny asany.10Fa no lavo gny raiky, dra afaky mapiary gny namany gny raiky hafa. Kanefa, gny alahelo dra magnaraky gny raiky ze reriky no fa lavo izy ka sy misy ndre raiky aza mapiary anazy.11No ro mindray mandry, dra mety hafa ereo, fe akory gny hapafana reriky gny raiky?12Gny lelahy raiky gny mety resy, fa gny ro mety afaky manohisy fanafiha, vo gny kofehy telo sy mora tapahy.13Soa loasy gny mahatra fa tanora hendry manahaky ze pazaka antisy mola zay sy mahafatasy zazy gny fomba itenoa fapitandrema.14Mary zay ndre nazary pazaka aza gny tovolahy raiky boakagny am-pigadra, ndre dra mbo nateraky hahatra ao amin'gny fanzakany aza izy.15Kanefa, zaho dra nahita gny olo aby ze velo vo mandeha ambanin'gny masoandro mandefa gny vatan'ereo magnagny amin'gny tovolahy hafa zay nisanga manahaky gny pazaka.16Sy misy fafaragna ho an'gny olo aby ze magniry gny hagneky gny pazaka vaovao, fa afar dra maro amin'ereo gny sy hisiriry anazy sasy. Ento vatany zay toe-draha zay vo fikasa hanohisy gny rivosy.
Chapter 5

1Tandremo gny fitondran-tegnanao no fa magnagny an-tragnon'Agnahary hanao. Mandehana agny mbo hiteno. Gny miteno dra soa noho gny mola manolosy soro fe sy mahay fa rasy gny ahin'ereo eo amin'gny fiaigna.2Ka malaky loasy mizaka amin'gny vavanao, dra aoky gny fona sy halaky eo agnoloan'Agnahary. Agny an-danisy Zagnahary, fa hanao en-tany etiky, koa aoky ho masaiky reo zakanao.3No be loasy gny raha ahinao vo mapiahiahy anao, dra hanofy rasy vatany hanao. Gny hamaron'ireo zakano, gny hamaro gny fahadala mety ho zakainao.4No fa mivoady amin'Agnahary hanao, dra ka milegnalegna amin'gny fanaova anizay, fa sy ton'Agnahary reo mola. Ahivo ze nanaovanao voady fa ho ahinao. 5Aleo sy mivoasy toy zay moavy ze sy tateraky akory.6KA enga hapagnota gny nofonao gny vavanao. Ka mizaka amin'gny iraky gny pisoro ho: " Fahadisoa igny voady igny." Nagnino gny mapahory an'Agnahary amin'gny fanaova voady sy izy, mihansy an'Agnahary hanimba gny asan'gny tagnanao?7Fa oa amin'gny nofy maro, manahaky gny ao amin'gny zaka maro, dra misy ento sy misy dikany. Ka matahora an'Agnahary.8No hitanao apahoria vo robay amin'gny fitondra mary vo mahisy ao amin'gny faritaninao gny mahatra, dra ka gaga no sy misy olo mahay, akory misy olo mahery zay miamby ireo eo ambany fahefan'ereo, vo misy olo ambony loasy aza manapaky andreo.9Fagnapin'izay, an'gny olon'aby gny vokasy gny tany, vo gny pazaka mihisy gny mangalaky gny vokasy amin'ireo saha.10Gny olon'aby ze tia volafosy dra sy ho afa-po amin'gny volafosy, vo gny olo aby ze tia harena dra mitalia mihoasy lalandava. Zay, avo koa, dra ento.11MAnahaky gny hitomboan'gny fanambigna, dra manahaky anizay avo koa gny olo ze mihina anizay. Ino gny tombon-soa an'gny tompony amin'gny harena laha-sy gny magnety amin'gny masony?12Mamy gny torimason'gny olo miasa, na mihina keliky na maro izy, fa gny haren'gny olo pagnarivo dra sy manenga anazy hatory soa.13Misy rasy mahory ze fa hitako tetiy ambany masoandro: dra harena avorin'gny tompony, fa mifara amin'gny fahoriany avo.14No very amin'gny vitan-drasy gny haren'gny olo pagnarivo, gny zanadahiny, gny naterany, dra tavela sy mana ndre ino ndre ino eo an-tagnany.15MAnahaky gny olo teraky sy nisiky boakao an-trokin-dreniny, dra sy miaiky manahaky anizay avo koa gny hiakany amin'itiky fiaigna tiky. Sy afaky handay ndre ino ndre ino egny an-tagnany boakamin'gny asany izy.16Gny rasy mahory hafa dra manahaky gny olo avy vatany, koa manahaky anizay koa gny sy mainsy handehanany. Koa ino gny tombony azon'gny olo amin'gny fiasa ho an'gny sioky?17MAndrisy gny androny dra mihina amin'gny ezy izy vo ory fatrasy amin'gny arety vo hahoria.18Ingo, ze fa hitako ho soa sady mety dra mihina vo mino vo mankafy gny tombony amin'gny asasika aby, no miasa ambanin'gny masoandro mandrisy tiky androm-piaigna ze fa nomen'Agnahary asika tiky. FA zay gny anzaran'gny olo.19Gny olo ze nomen'Agnahary fanagana vo harena vo fahaiza mbo handramby gny anzarany ka hifaly amin'gny asany---fagnomeza boakamin'Agnahary zay.20FA sy mahasiaro matetiky reo androm-piainany izy, akory ahin'Agnahary rokaky amin'ireo raha zay tiany ahy.
Chapter 6

1Misy rasy zay fa hitako teo ambany masoandro, dra mafy ho an'gny olo zay.2Mety hagnome fanagna, harena. vo voninahisy amin'gny olo raiky Zagnahary mbo sy ho ory ndre ino ndre ino amin'izay iriny ho an'gny vatany izy, fe Zagnahary sy hagnome fahefa anazy mbo hakafiza anizay. Fa kosa, misy olon-kafa mapiasa reo rahany. Raha fahatany zay, fapahoria rasy.3No misy lelahy mana zanaky an-zatony vo miay tao maro, mbo ho maro gny andron'ireo taony, fa no sy afa-po amin'gny soa gny fony vo sy alevy am-boninahisy izy, dra ho zaho ho gny zaza maty teo am-pahateraha dra soa loasy noho izy.4Ndre dra teraky amin'gny raha fahatany aza gny zaza manahaky anizay vo maty ao amin'gny ezy, ndra mitoesy ho fagnavonia gny agnarany.5Ndre dra mahita gny masoandro aza iho zaza iho ndre sy mahafatasy ndre ino ndre ino, dra mana fisahara mihoasy noho zay lelahy zay izy.6Ndre dra tokony kiay ro arivo tao aza gny olo nefa sy mianasy makafy reo raha soa, dra mandeha agny amin'gny toera mitovy gny olo hafa aby izy.7GNy asan'gny olo dra amin'gny vavany, nefa sy mbo afa-po amin'gny homany.8Eka vatany, ino gny tombon-soa anagnan'gny olon-kendry amin'gny mola? Inona gny tombon-soa anagnan'gny mahatra dra mahafatasy fomba fihesiky magnoloa gny olo hafa aza izy ?9Soa loasy gny afa-po amin'ize hitan'gny maso noho gny magniry ze taliavin'gny homana mandehandeha, zay ento vo andra hanohera sioky avo koa.10Ze iaby nisy dra fa nome gny agnarany, vo fa fatasy ho manahaky gny ino gny olombelo. Noho zay dra nazary sy misy dikany gny miafamaly amin'ize pisara maherin'gny iaby.11Arakaraky gny hamaro gny zaka voazaka, gny hitomboan'gny raha fahatany, koa ino gny tombon-soan'izay amin'gny olo?12FA ia gny mahafatasy ze soa hoa an'gny olo eo amin'gny fiaianany mandalo,andro voaisa ze hiaignany manahaky gny aloky? Ia gny afaky mizaka amin'gny olo gny amin'ize hoa avy egny ambany masoandro no fa avy mandalo izy?
Chapter 7

1Gny laza soa dra soa loasy noho gny ranomagnisy lafo vidy, vo gny andro hahafatesa dra soa loasy noho gny andro hahateraha.2Soa loasy gny mandeha agny amin'gny tragno fandalagna noho gny agny amin'gny tragno firavoravoa, akory gny fandalagna dra avy amin'gny olon'aby amin'gny faran'gny fiaigna, katokony rambesin'gny olo velo am-po zay.3Gny alahelo dra soa loasy noho gny siky, fa afaran'gny tarehy malahelo gny hiavian'gny hafalian'gny fo.4Gny fon'gny hendry dra ao an-tragno fandalagna, fa gny fon'gny mola kosa ao an-tragno firavoravoa.5Soa loasy gny miteno zaka fatrasin'gny hendry noho gny miteno gny hiran'gny mola.6Fa manahaky gny fikarepok'ireo tandroky mirehisy ambany vilagny, dra manahaky anizay koa gny fihohin'ereo mola. Zay, avo koa, dra raha fahatany.7Gny fangala an-keriny dra azo atoky fa mahalasa gny mola ho hendry, vo gny kolikoly manimba gny fo.8Soa loasy gny fifaragnan'gny raharaha raiky noho gny fiandohany; vo gny olo maharisy am-panahy dra soa loasy noho gny mirehareha am-panahy.9Ka mora ory gny fagnahinao, akory gny hahoria dra mitoesy ao am-pon'ereo mola.10Ka mizaka ho: " NAgnino reo andro taloha gny soa loasy noho tahoky? " Fa zay dra sy noho gny fahendre no magnotany iho fagnotania iho hanao.11Gny fahendre dra soa noho reo raha manan-danza ze nolovainsika boakamin'ireo razambesika. Zay dra manday tombon-soa ho an'ireo ze mahita gny masoandro.12 Fa gny fahendre dra manday fiarova manahaky gny vola zay afaky manday fiarova, fe gny tombon-soan'gny fahalala dra gny ho magnome fiaigna ho an'ize mana anazy gny fahendre.13Saino reo asan'Agnahary: Ia gny afaky hagnisy gny raha aby nivignirany?14No fa soa gny andro, dra miaigna amim-pifalia amin'izay hasoa zay, fa no fa rasy gny andro, dra saino gny momba tiky: Zagnahary dra fa nanenga anazy ro hindray. Noho zay antony zay, dra sy misy mahita gny raha aby ze mitranga afarany.15Fa nahita raha maro zaho nandris'ireo andro kelikiko. Misy reo olo-mary zay levo ndre dra eo aza gny fahamarignan'ereo, vo misy reo olo rasy fagnahy zay ela velo ndre dra eo aza gny harasian'ereo.16Ka magnamari-tegna, hendry eo amasonao. Nagnino gny tokony hanimba gny vatanao hanao?17Ka dra rasy fagnahy na mimolamola loasy. Nagnino hanao gny tokony ho faty mialohan'gny fotoanao?18Soa no mita iho fahendre iho hanao, dra sy tokony hanenga gny fahamarigna handeha. Fa gny olo ze matahosy an'Agnahary dra hahita reo adidiny aby.19Mahery gny fahendre ao amin'gny olon-kendry, mihoasy noho gny panapaky folo ao amin'gny tana raiky.20Sy misy olo-mary manao soa sady sy mbo mbo nanota zao mihisy an-tany etoky.21Ka miteno gny zaka aby ze voazaka, akory hahare gny panoponao hagnozo anao hanao.22Manahaky anizay koa, hanao dra mahafatasy fa nagnozo matetiky gny hafa tao am-ponao manoka hanao.23Reo aby reo dra fa voaporofo tamin'gny fahendre. Ho zaho ho: " Ho hendry zaho," fe nihoasy gny tokony ho izy zay.24Gny fahendre dra lavisy sady laliky. Ia gny afaky hahita anizay?25Nagnova gny foko mbo hianasy vo handiniky sady hitalia gny fahendre vo reo fagnazava gny raha misy zaho, dra hahatakasy fa mola gny rasy vo gny hamola dra fahaverezan-say.26Hitako fa mafaisy noho gny fahafatesa gny apela zay feno fandriky vo harato gny fony, vo misy rozo vy gny tagnany. Ndre ia ndre ia makasitraky an'Agnahary dra afaky aminazy, fa reo panota kosa ho lasany.27" Saino ze fa hitako," ho gny Mpitoriteny." Nagnapy vokam-pikaroha raiky tamin'gny hafa zaho mbo hahita fagnazava gny raha misy.28Zay gny mbo karohiko, fe sy hitako zay. Sy nahita olo-mary raiky teo amin'gny arivo zaho, dra sy nahita apela raiky teo amin'ireo iaby reo zaho.29Tiky avo gny fa hitako: fa Zagnahary dra mamoro gny olombelo ho mahisy, fe nandeha nitalia fahasahiragna maro ereo."
Chapter 8

1Ia gny olon-kendry? Ia gny mahay gny dikan'ireo raha-miseho eo amin'gny fiaigna? Gny fahendre eo amin'gny olo dra mahavy gny tarehiny hho miramira. sady miova gny hafatrasin'gny tarehiny.2MAnoro hevisy anao zaho mbo hagneky gny didin'gny pazaka nohon'gny fiainan'Agnahary hiaro anazy.3Ka malay amin'gny fagnatreha anazy, vo ka mifikisy amin'gny fanaovan-drasy, akory gny pazaka manao ze iaby iriny.4Manzaka gny zakan'gny pazaka, ka ia gny hizaka aminazy ho: "Ino tiky ahinao?"5Ndre ia ndre ia mitandry reo lilin'gny pazaka dra misoroky hahoria. Gny fon'olon-kendry dra mgneky gny lalana iombogna vo gny fotoan'gny fihesefa.6Misy valiny mary vo fotoa hamalia gny raha aby, akory lahibe reo olan'gny olo.7Sy misy mahay ze ho avy magnaraky. Ia gny afaky hizaka aminazy ze ho avy?8Sy misy panapaky amin'gny fofon'ainy ka hapizano gny fofon'ay, dra sy misy manan-kery amin'gny andron'gny fahafatesany. Sy misy afaky amin'gny tafiky mandrisy gny aly, vo gny faharasia dra hamonzy reo ze andevon'izay.9Nahafatasy anizay iaby zay zaho; napihatry gny foko tamin'gny asa soa aby ze nahy tetiky ambany masoandro zaho. Misy gny fotoa zay apahorian'gny olo gny hafa amin'gny ratran'izay olo zay.10Dra hitako gny rasy fagnahy nalevy am-pahibemaso. Nala tamin'gny farisy masy ereo ka nalevy vo nisiririn'ireo ponina tao amin'gny tana zay nanaovan'ereo gny asa rasiny.Zay koa dra sy misy dikany.11No sy tateraky malaky gny lilim-pisara hanohisy gny heloky bevava rasy, dra mitao reo fon'olombelo hanao rasy zay.12Ndre dra manao rasy in-zato aza gny panota vo mbo velo mandrisy gny fotoa maharisy. dra fatako fa soa ho an'ereo ze magnaza an'Agnahary, zay magnome voninahisy gny fagnatregany mindra amin'ereo zay.13Fa sy ho soa ho an'gny olo rasy fagnahy zay; sy haharisy gny fiaignany. Reo androny dra manahaky gny aloky mihely akory sy magnome voninahisy an'Agnahary izy.14Mbo misy raha fahatany hafa--- raha hafa vita tetiky ambonin'gny tany. Reo raha mitranga amin'gny olo-mary dra manahaky gny fitrangan'ireo amin'gny olo rasy fagnahy, dra manahaky gny itrangan'ireo raha amin'gny rasy fagnahy gny itrangan'izay amin'gny olo-mary. Ho zaho ho raha-fahatany avo koa zay. 15Dra mitaky gny hafalia zaho, akory sy misy raha soa azon'gny olo egnyambany masoandro noho gny mihina vo mino vo mifaly. Dra gny hafalia gnyy hagnaraky anazy agny amin'gny asany amin'gny androm-piaignany aby ze nomen'Agnahary anazy ambany masoandro.16No nanefy gny foko hahay gny fahendre zaho vo hahafatasy gny asa ze ahy eto ambonin'gny tany, dra vita sy amin-torimaso amin'gny hariva na amin'gny dizera matetiky gny asa,17dra nandiniky reo asan'Agnahary aby zaho, vo gny olo dra sy afaky hahatakasy gny asa ze vita teto amabanin'gny masoandro. Ndre akory ndre akory gny hamaron'gny asan'gny olo mbo hahita reo valiny, dra sy hahita anizay ereo. Ndre zay aza gny olon-kendry dra mety hino fa mahay izy, nefa dra sy mahay vatany.
Chapter 9

1Fa nieriserisy gny mahakasiky anizay iaby zay tato an-saiko zaho mbo hahatakarako mahakasikin'gny olo-mary vo gny olo-kendry vo reo asan'ereo. Eo am-pelatagnan'Agnahary aby ereo iaby. Sy misy ndre ia ndre ia mahay ndre ho fitiava ndre ho falaigna gno ho boakamin'gny olo raiky.2Mitovy gny lahasy gny kiraikiraiky. Mitovy gny lahasy mandigny gny olo-mary vo gny olo rasy fagnahy,gny soa, gny malio vo gny maloto, vo ze manao soro vo ze sy manao soro. Ho faty gny olo-mary, dra manahaky anizay avo koa gny panota. Ho faty ze mifata, dra manahaky anizay avo koa gny olo ze matahosy manao fifanta.3Misy lahasy rasy ho an'gny raha aby ze ahy eto ambany masoandro, lahasy raiky ho an'gny kiraikiraiky. Feno rasy gny fon'olombelo, vo ao am-pon'ereo gny hamola no mbo velo koa ereo. koa afaran'izay dra magnagny amin'gny maty ereo.4Fa ndre ia ndre ia miombo amin'gny velo aby, dra misy fagnatena, manahaky gny mahasoa loasy gny amboa vel noho gny liona maty.5Fa gny olombelo dra mahafatasy fa ho faty ereo, fa gny maty sy mahafatasy ndre ino ndre ino. Sy mana valisoa sasy ereo, akory fa aligno gny fahasiarova andreo.6Gny fitiava, gny falegna, vo gny fagnirian'ereo dra fa nanzavo hatry gny ela. Sy hana toera amin'gny raha aby ze ahy etiky ambany masoandro sasy ereo.7Mandehana amin'gny lalanao, hano am-pifalia gny mofonao, dra inomy amin'gny fo faly gny divainao, akory Zagnahary dra magneky gny fankalaza reo asa soa.8aoky ho fosy mandrakariva gny akazonao vo aoky ho voahosisy amin'gny dililo gny lohanao.9Miaigna am-pifalia mindray amin'gny valy taianao amin'gny androm-piaignanao aby mandalo fahatany, dra reo andro ze nomen'Agnahary anao tegny ambany masoandro mandris'ireo andronao mandalo fahatany. Zay gny valisoanao amin'gny fiaigna noho reo asanao tegny ambany masoandro.10Ndre ino ndre ino hitan'gny tagnanao ahy, dra hiasao amin'gny herinao zay akory sy misy aza na fagnazava na fahalala na fahendre agny amin'gny Fiaignan-sy hita, ze handehanao.11Fa nahita raha sasasasan mahaliana teo ambany masoandro zaho: Gny lomay dra sy an'gny olo malaky fandehana. Gny aly dra sy an'gny olo matazaky. Gny mofo sy an'gny olon-kendry. Gny harena dra sy an'gny olon'gny fahazavan-say. Gny sitraky dra sy an'gny olon'gny fahalala. Fa kosa, gny fotos vo gny vinta dra miantraiky amin'izy iaby.12Fa sy misy ndre ia ndre ia mahafatasy gny fotoa hahafatesany, manahaky gny fian-drano zay trasy ao amin'gny haraton'gny fahafatesa, na manahaky gny voro zay azon'gny fandriky. Manahaky reo biby, gny olombelo dra gadra ao amin'gny fotoan-drasy zay avy tapoky amin'ereo.13Fa nahita fahendre teo ambany masandro avo koa zaho sahala gny ho lahibe taminahy zay.14Nisy tana keliky raiky zay masaiky olo tao aminazy, dra nisy pazaka lahibe avy nanao fahirano anizay dra nagnory toera fekara lahibe teo agnilan'izay.15Dra nisy mahatra raiky, lelahy hendry hita tao amin'gny tana, zay nagnavosy gny tana tamin'gny fahendreny. Nefa tafara keliky tatiky, dra sy nisy nahatadidy iho lelahy iho sasy.16Ka feheziko amin'gny ho: " Soa loasy gny fahendre noho gny tazakay, kanefa nahy sinosino gny fanendren'gny olo-mahatra, vo sy re reo zakany."17Gny zaka malefaky gny hendry dra re soa loasy noho gny fitreroman'ize panapaky eo amin'gny mola.18Gny fahendre dra soa loa noho reo fitova-pialia amin'gny aly, kanefa gny panota raiky dra mety handrava soa maro.
Chapter 10

1Sahala reo fatin-dalisy zay mahamembo gny raha magnisy, dra manahaky anizay koa gny ahafahan'gny fahamola keliky mandresy gny fahende vo gny fakatoava.2Gny fon'gny olon-kendry dra mirona miakavana, fa gny fon'gny mola mirona miakavia.3No fa mandeha mizoso egny an-dala gny mola, dra sy apy say izy, magnamary amin'gny olo aby fa mola izy.4No miakasy manohisy anao gny fiheseham-pon'gny panapaka, ka manenga gny asanao. Gny fitonia dra afaky mapisigny hahoria lahibe.5F a misy gny rasy zay hitako teo ambany masoandro, karaza hadisoa boakamin'gny panapaky:6Reo mola dra nome toeram-pitahiriza, vo reo olo mahomby nome toera ambany.7Nahita andevo nitikisy sovaly zaho, vo reo olo mahomby nandeha tomboky tegny amin'gny tany manahaky gny andevo.8Ze iaby mihaly lavaky dra mety hilavo amin'izay ao, vo ndre ombia ndre ombia misy olo mandripaky fefy dra mety ho hifarin'gny bibilava izy.9Ze iaby manapaky vato dra mety ho voaratrin'izay, vo gny olo ze manapaky hazo dra talion'izay izy.10No domo gny lelan'gny vy, vo gny olo sy mandragnisy anizay, dra sy mainsy mapiasa gny heriny bebe kokoa izy, fa gny fahendre dra magnome tombony ho amin'gny fahombiaza.11No magnifasy mialohan'gny nahamasy aoly gny bibilava, dra sy misy tombony ho an'gny panao aoly.12Reo zakan'gny olon-kendry dra hasaram-pagnahy, fa gny sogny gny mola da mitly anazy avo.13Manahaky gny zaka manomboky mikoria boakeo am-bavan'gny mola, gny hiboahan'gny hamola, vo amin'gny farany gny vavany dra hioria fahaverezan-say rasy.14Gny mola mapitombo zaka, fa gny sy misy mahafatasy ze ho avy. Ia gny mahay ze ho boakao afarany?15Gny firokafan'gny mola dra magnavesasy andreo, ka sy fatany aby ndre dra gny lala magnagny an-tanan-dahibe aza.16 Loza ho anao, ry tany, no tovolahy gny pazakanao, vo no manomboky manao firavoravoa amin'gny maraindray reo pitariky anao!17Fa sambays hanao, ry tany, no gny zanadahin'ireo magneva haza gny pazakanao, dra mihina amin'gny fotoany reo pitariky anao, ho tazaky, fa sy ho amin'gny hamamoa!18Fa nohon'gny hakamoa gny mapilasaky gny tafo, vo nohon'gny fahalegnan'gny tagna gny mapitete gny tragno.19Magnoma hany ho amin'gny fihomeheza gny olo, gny divay manday fakafiza fiaigna, vo gny vola mameno gny filan-draha aby.20Ka magnozo gny pazaka, ndre dra an-sainao aza, sady ka magnozo gny olo pagnarivo ao amin'gny efisy fandrianao. Fa gny voron'gny lagnisy mety handay reo zakanao: ze iaby managn'elasy dra afaky magnaparitaky gny raharaha.
Chapter 11

1Alefasy egny ambonin'gny rano gny mofonao, fa ho hitanao ndraiky zay afaky andro maromaro.2Zararao amin'gny olo fito zay, ndre dra olo valo aza, fa sy fatanareo ze hiavian'gny loza amin'gny tany.3No feno ranon'ora gny raho, dra magnafoa anizay egny amin'gny tany regny, vo no milavo magnasimo gny hazo raiky na magnavarasy, ndre eza ndre eza hilavoan'izay, dra eo gny hitobohan'izay.4Mety sy hamboly gny olo zay magnety rsikoy, dra mety sy hizinza gny olo zay magnety gny raho.5Sahala anao zay sy mahay aby gny lalan'gny sioky, ndre gny nitombona'gny taolan'gny zaza tao an-trokin'gny bevoka, sahala anizay koa hanao sy afaky mahatakasy gny asan'Agnahary, zay namoro gny raha aby.6Amboleo amin'gny marandray reo vihinao; hatramin'gny hariva, miasa amin'ireo tagnanao araky ze ila, fa sy fatanao ze mety hagnamby, na maray na hariva, na itiky na iriky, na samby ho soa aby ereo ro.7Mamy vatany gny mazava, vo raha mahafinarisy gny maso gny mahita gny masoandro.8No misy olo miay an-taonymaro, aoky izy ho faly amin'iregny aby regny, nefa aoky izy hisaina gny mahakasik'ireo andron'gny ezy ho avy, fa ho maro regny. Gny raha aby hitranga dra ento manzavo.9Mifalia, ry zatovo, amin'gny fahatanoranao, dra aoky gny fonao ho faly amin'gny andron'gny fahatanoranao. Magnaraha gny fagniria soan'gny fonao, vo ze iaby eo amin'gny hitan'gny masoanao. Kanefa, fataro fa Zagnahary handay anao eo amin'gny fisara gny amin'ireo raha aby reo.10Alaviro amingny fonao gny hahoria, ka midary aby gny fahararia eo amin'gny ainao, akory gny hatanora vo gny heriny ddra raha fahatany.
Chapter 12

1Sarovy avo koa gny Mpahary anao amin'gny andron'gny fahatanoranao, mialohan'gny hiavian'gny andro sarosy, vo mialohan'gny hiavian'gny tao zay hizakanao ho: "sy mana fankasitraha ho andreo zaho,"2ahivo zay tany mbo sy hipoly ezy gny hazavan'gny masoandro vo gny vola vo reo kinta, vo tany mbo sy mihery gny raho maity afaran'gny ora.3Amin'izay fotoa zay dra mangitakitaky gny piamby gny lapa, vo mavohoky gny lelahy mahery, vo mizano gny apela zay mandisa akory masaiky ereo, vo ereo zay mitazagny eo am-baravarakely dra sy mahita soa sasy.4Amin'izay fotoa zay dra mirindry gny varavaram-be egny amin'gny lala, vo mizano gny feon'gny fikosoham-bary, ho taisin'gny feom-boro gny lelahy, vo malazo gny ansan'gny fen'gny tovovavy.5Amin'izay fotoa zay dra manomboky matahosy gny hahabo vo reo loza egny an-dala gny lelahy, dra mamelagny gny hzo amygdala, vo mindray mifapitariky reo valala, dra sy mandaisy reo fagniria voanzagnahary. Mandeha agny amin'gny tragnony mandrakizay gny lelahy vo mizoso an-dalambe reo pandala.6Sarovy gny Mpahary anao mialohan'gny hahatapahan'gny kofehy volafosy, na hahavaky gny lasety volamena, na hanorotoro gny sihoa amin'gny lohatao, na hahatapaky gny kodian-drano eo amin'gny lavan-drano,7tany mbo sy mihery amin'gny tany zay nihaviany gny botany, vo gny fagnahy mihery amin'Agnahary zay nagnome anizay.8" Gny enton-zavo," ho gny Mpitoriteny: " raha sy misy dikany dra raha sy misy dikany gny raha aby."9Gny Mpitoriteny dra hendry sady napianasyfahalala gny olo izy. Nianasy sady nandiniky vo nandrindra ohabola maro izy.10Gny Mpitoriteny dra nitalia gny hanorasy fapiasa mazava soa, zaka mahisin'gny fahamarigna.11Reo zakan'gny olon-kendry dra manahaky gny sindrona. Manahaky reo fandiky soa letiky reo zakan'gny tompo ao amin'gny famorian'ohabolan'ereo, zay napianarin'gny piaraky agnondry raiky.12Anaky, mahafatara raha bebe kokoa: gny fanamboara boky maro, zay sy misy fifaragnany vo gny fianara be dra manday farokafa ho gny vata.13Fa re gny fifaragnan'gny raharaha afaran'gny raha aby, dra sy mainsy matahosy an'Agnahary hanao dra mitandry reo liliny, fa zay gny andraikisy manotolon'gny olombelo. 14Fa Zagnahary handay gny asa aby ho amin'gny fisara, hatramin'gny raha mivony aby, ndre soa ndre rasy.

Song of Solomon

Chapter 1

1Gny tonon-kiran'ereo Tononkira, ze an'i Solomona. Gny zatovovavy miresaky amin'gny tiany, 2aoky so hagnoroky anahy amin'gny fanorohan'gny vavaniha hanao,akory soa kokoa noho gny divay gny fitiavaniha. 3Gny menaky fanosoraniha dra manim-pofo; gny agnaraniha dra manahaky gny ranomagnisy vaoidy, dra tian'ireo zatovovavy hanao. 4Andeso mindray aminiha zaho, dra hihazakazaky sika. Gny tovovavy miresaky amin'gny vatany fa nandesin'gny pazaka tao an'efitragnony zaho. Gny tovovavymiresaky amin'gny vatany ho faly zaho; mifaly gny mombaniha zaho; aoky zaho hakalaza gny fitiavaniha; soa kokoa noho gny divay zaho. Voanzanahary amin'ireo apela miresaky amin'ireo apela hafa.5Mivalomainty zaho fa maha-te hotia, handrareo ry zanaky apelan'ireo lelahin'i Jerosalema--- mivalomainty manahaky gny lain'i Kedara, maha-te ho tia manahaky reo lamban'i Solomona.6 Ka mibanzy anahy fa mivaloaminty zaho, akory azon'gny masoandro. Ory taminahy reo zanadahin'gny reniko; nahin'ereo piamby gny tanim-boaloboky zaho, fe gny gny tanim-boaloboko sy ba nambenako. Gny apela miresaky amin'gny tiany.7Zakao anahy, nao gny tiako, eza gny hagnomezaniha sakafo ho an'ireo agnondry aman'osiniha? Eza gny hapandrianiha reo agnondry aman'osiniha nofa mitataovovona? Nagnino zaho gny tokony hananaky gny olo ze mirerirey agnilan'gny agnondry aman'osin'gny namaniha? mamaly anazy gny tiany.8No sy fatanao, ry soa tarehy vatany amin'ireo apela, dra araho gny lalan'gny agnondry aman'osiko, dra fahano agnilan'ireo piaraky agnondry gny zanak'osiniha.9Apitahako amin'gny sovaly vavy eo amin'ireo sovaly pitariky gny kalesin'i Farao hanao, ry tiako. 10Mahasoa gny tarehiniha reo firavaky, gny vozoniha amin'ireo firavaky voatohy. 11Hanaovako firavaky volamena misy kitrony volafosy hanao. Gny apela miresaky amin'gny vatany.12No mbo nandry teo am-pandriany gny pazaka, dra namerovero gny nardako. 13Aminahy gny malalako dra manahaky gny miora am-peheza zay mandany gny hariva eo an-tratrako. 14Aminahy gny malalako dra manahaky gny vonin'gny kofera eo an-tanim-boalobok'i En-jedy. Gny tiany miresaky aminazy.15Ingo, soa tarehy hanao, ry tiako; ingo, soa tarehy hano; manahaky gny voromailala gny masoniha. Gny apela miresaky amin'gny tiany.16Ingo, soa tarehy hanao, ry malalako, vatany soa tarehy. Gny raha misiry maiso mavana dra ahy fandriasika. 17Gny anrin'gny fasangesika dra sampa-kazo sedera, vo sampan-kesiky sakamandimbin'gny fasangesika.
Chapter 2

1Zaho dra vonikazao egny amin'gny lemaky fosiny avo, lilia egny amin'gny lohasaha fosiny avo. Gny lelahy dra miresaky aminazy. 2Manahaky gny lilia eo amin'ireo silo, dra manahaky anizeho hanao, ry tiako, eo amin'ireo zanaky apelan'ireo olon'gny tanako. Gny apela dra miresaky amin'gny vatany.3Manahaky gny hazo paiso ze eo amin'ireo hazon'gny ala, dra manahaky anizeho koa gny olon-tiako eo amin'ireo zatovolahy. Mitoboky eo ambanin'gny alokiny amin'gny hafaliam-be zaho, vo gny vihiny dra mamy ao am-bavako. 4Manday anahy agny amin'gny fasange amin'gny fanasam-be izy, vo gny fanevany aminahy dra fitiava. Gny apela dra miresaky amin'gny tiany.5Velomy amin'gny mofomamy misy voaloboky sady velombelomy amin'gny paiso, fa mararim-pitia. Gny apela dra miresaky amin'gny vatany. 6Gny tagnany havia dra eo ambanin'gny lohako, vo gny tagnany havana dra mamihina anahy. Gny apela dra miresaky amin'gny apela hafa7Tiako ba hapagnatena handrareo, ry zanaky apelan'i Jerosalema, amin'gny alalan'gny gazela vo reo serfa vavy agny an-saha, fa handrareo dra sy hanapaky gny firaisa ara-nofonay no sy tapisy zeho. Gny apela dra miresaky amin'gny vatany.8Izeho gny feon'gny tiako! Endrey, igny tihoky igny izy, mandikalika reo tendrombohisy, misambiky amin'ireo havoa. 9Gny malalako dra manahaky gny gazela na diera bo tanora; ingo, izy dra misanga ao ambaliky gny rindrinay, mitaza eo amin'gny varavaran-keliky, mipoisy eo amin'gny makarakara.10Miresaky aminahy gny malalako manao ho: " Misangana, nao gny tiako; Nao gny soa tarehiko,ndao hindray aminahy. 11Ingo, fa lasa gny ririny; fa nizano gny ora sady fa lasa.12Fa misiry amin'gny tany reo vonikazo; fa avy gny fotoa fandratsanana vo gny siokin'ireo voro, vo gny feon'ireo voromailala dra re amin'gny tanisika etiky. 13Mahamasaky gny aviavy maisony reo hazon'aviavy, dra mamony reo voaloboky; mamoaky gny hagnisiny ereo. Misangana, ry tiako, nao gny soa tarehiko, dra ndao.14Ry voromailalako, eo an-sefasefaky gny vatolapy, ei an-sefasefaky mivon'ireo tendrombohisy harambato, dra engao hahita gny endrikiniha zaho. Engao hahare gny feoniha zaho, fa melefaky gny feoniha, dra maha-te ho tia gny endrikiniha.' Gny apela dra miresaky amin'gny vatany.15Sambory ho asika gny amboahaolo, dra reo amboahaolo bo keliku ze mamotiky reo tanim-bolisika, akory mamony reo voalobokisika.16Anagny malalako, vo anazy zaho; mihina egny amin'ireo lilia amin-kafalia izy. Gny apela dra miresaky amin'gny tiany. 17Mandehana, nao gny malalako, alohan'gny rivosy malefaky misioky amin'gny mangiran-drasy vo reo aloky mandalo. Mandehana, aoky hanahaky gny gazela na diera mbo tanora eo amin'ireo tendrombohisy mikitoantoa hanao.
Chapter 3

1Amin'gny hariva eo am-pandriako dra naniry gny raiky ze tiako zaho; nitalia anazy zaho, fe sy hitako izy. 2Ho zaho tamin'gny vatako ho: " Hisanga zaho dra handeha agny amin'gny tana, amin'ireo lala vo reo kianza; hitalia gny malalako zaho." Nitalia anazy zaho, fe sy nahita anazy.3Hitan'ireo piamby zaho no nihodidy gny tan ereo. Nagnotany andreo zaho ho: " Hitandrareo ra gny malalako?" 4Fotoa masaiky monza tafaran'gny nandalovako teo amin'ereo gny nahitako gny raiky ze tian'gny fagnahiko. Nita anazy zahi dra sy nanenga anazy handeha mandra-pandesako anazy tagny am-pasangen'gny reniko, ao amin'gny efitragno fatorian'gny raiky ze niteraky anahy. Gny apela miresaky amin'ireo apela hafa.5Tiako hifata handrareo, ry zanaky apelan'gny lelahin'i Jerosalema, amin'ireo gazela vo reo voksa'ireo saha. so sy tapahindrareo gny fiaraha-mandrinay no sy vita zeho. Gny tovolahy mizaka amin'gny vatany.6Ino regny miakasy lat'amin'gny tany efisy manahaky gny andrin-setroky, manim-pofo miora vo ditin-kazo magnisy, mindray amin'ireo botany aby avilin'ireo pivarosy regny? 7Ingo, fandrian'i Solomona zaho; pialy enimpolo gny magnodidy anizeho; dra reo miaramila enimpolon'Israely.8Manan-traikefa amin'gny mesa ereo dramahay mialy. Mana gny mesany eo am-balahany aby gny olo aby, mita-pialia hanohisy gny fapihorohoron'gny hariva. 9Nanao seza filanza vita tamin'gny hazo lat'agny Libanona ho anazy i Solomona pazaka.10Gny sangasangan'izeho dra vita tamin'gny volafosy; gny lamosiny dra vita tamin'gny volamena,vo gny fitoboha tamin'gny fitafy voloparasy. Gny agnatiny tao dra nihengoin'ireo zanaky apelan'ireo lelahin'i Jerosalema tam-pitiava. Gny zatovovavy miresaky amin'ireo apelan'i Jerosalema. 11Miboaha, ry zanaky apelan'ireo lelahin'i Ziona, dra mandiniha an'i solomona pazaka, manday gny satro-boninahisy ze napisatrohin'gny reniny anazy tamin'gny andron'gny fanambaliany, tamin'iho androm-pifalian'gny fiainany iho.
Chapter 4

1Endrey, soa tarehy hanao, ry malalako; soa tarehy hanao. Gny masoniha dra voromailala ao ambaliky gny voaliniha. Gny volaniha dra manahaky gny andian'aosy mizoso lat'egny an-tendrombohis'i Gileada.2Gny nifiniha dra manahaky gny agnondivavy vo narata, miakasy lat'agny amin'gny toera fandroa. Samby kamba aby reo, dra sy misy banga.3Gny sogniniha dra manahaky gny kofehy jaky; maha-te ho tia gny vavaniha. Manahaky gny hasin'apongabendagnisy gny fifiniha ambaliky gny voaliha ao.4Gny vozoniha dra manahaky gny tilikambon'i Davida voaory egny amin'gny filaharam-bato, mindray amin'gny apinga arivo mihanto eo amin'izeho, dra gny apingan'ireo miaramila aby.5 Gny nononiha ro dra manahaky gny diera ro, gazela kamba, miraoky egny amin'ireo lilia.6Ambara-pahavin'gny vo mangiran-drasy dra lavisy gny aloky, dra handeha ho agny an-tendrombohisy gny miora vo agny amin'gny havoan'gny ditin-kazo manim-pofo zaho. 7Soa tarehy amin'gny lafiny aby hanao, ry malalako sady sy misy kilema aminiha.8Miaraha aminahy lat'agny Libanona, nao gny apakariko. Miaraha aminahy lat'agny Libanona; miavia baokagny an-tapon'i Amana, boakagny an-tapon'i Senira vo Hermona, latagny an-davaky gny liona, lat'agny amin'gny tendromboisy lavaky gny leoparada.9Lasaniha gny foko, ry havako, nao gny apakariko; lasaniha gny foko, tamin'gny fagnitia raiky monza taty aminahy, tamin'gny firavaky raiky monza teo amin'gny vozoniha.10Endrey gny hasoan'gny fitiavaniha, ry havako, nao gny apakariko! Endrey gny hasoan'gny fitiavaniha mihoasy gny divay, vo gny fameroveron'gny ranomagnisiniha mihoasy noho ze raha magnisy aby. 11Gny sogniniha, nao gny apakariko, dra mitete tantely; tantely vo ronono gny ao ambanin'gny lelaniha; gny fameroveron'gny akazoniha dra manahaky gny fameroveron'i Libanona.12Ry havako, saha voahily gny apakariko, eka saha voahily, loharano voatombo-kase. 13Gny sapaniha dra ala kelikin'apongabendagnisy misy voakazo voafanty, dra moina vo narda, 14Narda vo safrona, veromagnisy vo kanelina mindray amin'ireo karaza hagnisy aby, dra miora vo havozo mbamin'ireo raha magnisy soa loasy aby.15Sahan-doharano hanao, fasakan-drano malio, rian-drano mikoria lat'agny Libanona. Gny tovovavy mizaka amin'gny malalany ho: 16Mifohaza, ry sioky lat'agny avarasy; avia, ry sioky lat'agny asimo; sofy gny sahako so hapiely gny fameroveron'gny fofofny magnisy. Enga ra dra ho avy amin'gny sahany gny malalako dra hihina gny sasany amin'gny voakazo voafantiny.
Chapter 5

1Avy tao an-sahako zaho, ry havako, naogny apakariko; fa namory gny miorako mbamin'gny raha magnisiko zaho. Fa nihina gny tohon-tanteliko mbamin'gny tanteliko zaho; fa nino gny divaiko mbamin'gny rononoko zaho. Ho reo sakeza miresaky amin'ireo malala. Mihinana; ry sakeza, minoma dra aoky ho mamon'gny fitiava. Ho gny tovovavy miresaky amin'gny vatany.2Natory zaho, fe gny foko dra nifoha tao agnaty nofy. Izeho gny feon'gny malalako mandondo dra manao ho: " Vohao zaho, ry havako, ry malalako, ry voromailalako, ry malioko, fa hosaky gny ando gny lohako, feno andon'gny hariva gny voloko."3" Fa nangalaky gny akazolavako zaho; dra sy mainsy hanao anizeho ndraiky se? Fa nisasako gny tomboko; dra sy mainsy ho lotoviko se?" 4Napilisy gny tagnany teo amin'gny fisokafan'gny hilim-batrangara gny malalako, dra nientaenta ho anazy gny foko.5Niary zaho so hamoha gny vatrangara ho an'gny malalako; nitete miora gny tagnako, nisy ranona miora gny ransan-tagnako, teo amin'gny famoaham-batrangara.6Nanokasy gny vatrangara ho an'gny malalako zaho, fe nitoliky gny malalako dra nandeha. Tofoky gny foko; nazary kivy zaho. Nitalia anazy zaho, fe sy hitako izy; initoka anazy zaho, fe sy namaly anahy izy.7Reo piamby ze nandeha tamin'gny tana nahita anahy; nizeran'ereo zaho dra niratrany; reo piamby tegny amin'gny fefy nangalaky gny fitafiako taminahy. Ho gny tovovay niresaky tamin'ireo apela tao an-tana8Tiako hapagnatena handrareo, ry zanakay apelan'i Jerosalema, fa no hitandrareo gny malalako, dra zakao anazy fa marary nohon'gny fitiavako anazy zaho. Ho reo apela tao an-tana niresaky tamin'gny tovovavy9Nagnino gny malalaniha gny soa noho gny malala hafa, hanao ze soa tarehy eo amin'ireo apela? Nagnino gny malalaniha gny soa noho gny malalan'gny hafa, gny dra mangataky anay hanao fifata manahaky zeho hanao? Ho gny tovovavy niresaky tamin'ireo apelan'gny tana10Gny malalako dra mamirasy sady mena, sy manam-paharo amin'ireo agn'aliny. 11Gny lohany dra volamena soa loasy; gny volony dra olioly sady mainty manahaky gy goaiky.12Gny masony dra manahaky gny voromailala marinin'gny rian-drano, nisasa taming'ny ronono, natohitohy manahaky gy firavaky.13Reo fifiny dra manahaky gny fandrian-draha-magnisy, mamokasy hagnisy mamerovero. Gny sogniny dra lilia, mitete miora.14Reo andriny dra voahodidy volamena nahy firavaky, gny trokiny dra ivory voasaro safira.15Reo tombony dra andry vita amin'gny marba, mifotosy amin'gny volamena sy mifangaro; gny endriny dra manahaky an'i Libanona, siririty manahaky gny sedera.16Gny vavany dra mamy indrindra; maha-te ho tia fatrasy izy. Zeho gny malalako, vo zeho gny sakezako, ry zanaky apelan'i Jerosalema.
Chapter 6

1Nagneza gny malalaniha, ry soa tarehy vatany amin'gny apela? Nizotry nagneza gny malalaniha, so hitaliavanay anazy mindray aminiha? Miresaky amin'gny vatany gny zatovovavy.2Gny malalako dra fa nizoso nagnagny amin'gny sahany, ho agny amin'gny farafaran-draha-magnisy, so hiraoky egny amin'gny saha vo hioty reo lilia. 3An'gny malalako zaho, dra anahy gny malalako; hiraoky eo amin'ireo lilia am-pifalia izy. gny tian'gny apela miresaky aminazy.4Soa tarehy manahaky gny Tizra hanao, ry tiako, maha-te ho tia manahaky an'i Jerosalema, mapisy aingam-panahy manahaky gny tafiky mindray amin'gny fanevany.5Avio aminahky gn masoniha, fa manafosy anahy ereo. Gny voloniha dra manahky gny andian'aosy mizoso egnyamin'ireo hansan'gny Tendrombohis'i Gileada.6Gnynifiniha dra manahaky gny andiana agnondrivavy miakasy lat'agny amin'gny fitoera fisasa. Samby mana gny hamba aminazy gny kiraikiraky, dra sy nisy banga reo. 7Reo fifiniha dra manahaky gny hasin'apongabendagnisy ao ambaliky gny voaliniha. Gny tian'gny apela miresaky amin'gny vatany8Misy pazakavavy enimpolo, valisin-drako valopolo, vo zatovovavy sy hita isa. 9Ry voromailalako, ry malioko, gny hany tokako; izy dra apela tokan-dreniny; izy gny tena tian'gny apela ze niteraky anazy; reo zanaky apelan'gny olon'gny tagnako no nahita anazy dra nitoka anazy ho sambasy; reo pazakavavy vo reo valisindrano avo koa dra nahita, dra nisiriry anazy: Zeho gny nizakan'gny pazakavavy vo gny valisindrano10" Ia se io miseho manahaky gny mangiran-drasy, soa tarehy manahaky gny vola, mamirapirasy manahaky gny masoandro, mapisy aingam-panahy manahaky gny tafiky mindray amin'gny fanevany? " Gny tian'gny apela miresaky amin'gny vatany11Nizoso tegny amin'ireo ala keliky misy hazom-baza so hagnety gny siry vaovao egny an-dohasaha, so hagnety raha nisimoky reo voaloboky, vo no fa namony gny apongabendagnisy. 12Vatany faly zaho dra nahasapa gny ho nitikisy kalesin'gny andriandahy. Gny tian'gny apela miresaky aminazy13Miheregna, miheregna, hanao ry apela soa vatany; miheregna, miheregna, so hahafahako mandiniky aniha. Gny zatovovavy miresaky amin'gny tiany Nagnino hanao gny mandiniky anahy, gny apela soa vatany, manahaky gny ho mandihy eo agnelanelan'gny pandihy ro an-dala zaho?
Chapter 7

1Endrey gny hasoan'gny tomboniha ao amin'gny kapaniha, ry zanaky apelan'andriandahy! Manahaky gny firavaky gny amboam-peniha, asa tagnan'gny panaoo asa-tagna mahay.2Gny foitriniha dra manahaky gny tomaboha boribory; sy ho ory divay voaro ra zeho. Gny trokiniha dra manahaky gny vary tritiky voatoby voahodidy lilia.3Reo nononiha ro dra manahaky gny zanaky serfa ro, gazela kamba. 4Gny vozoniha dra manahaky gny tilikambo ivory; gny masoniha dra manahaky gny kamory agny Hesbona eo am-bavahadin'i Bata Rabima. Gny oroniha dra manahaky gny tilikambo agny Libanona ze mitoliky magnagny Damaskosy.5Gny lohaniha dra manahaky an'i Karmela; gny volon-dohaniha dra volomparasy makotry. Babon'gny talivolon'izeho gny pazaka. 6Endrey soa tarehy sady maha-te ho tia hanao, nao gny malala, mahafinarisy hanao!7Gny sangananao dra manahaky gny an'gny palma, vo gny nononiha dra manahaky gny sampahom-boakazo. 8Nieriserisy zaho ho: " Te hanganiky zeho palma zeho zaho; hihazo fatrasy reo ransany." Aoky reo nononiha hanahaky reo sampoham-boaloboky, dra aoky gny fameroveron'gny oroniha hanahaky gny paiso.9Aoky gny vavaniha hanahaky gny divay soa loasy, mikoria moramora amin'gny malalako, misosa eo amin'gny sogny vo gny nifisika. Gny zatovovavy mizaka amin'gny olo-tiany10An'gny malalako zaho, sady magniry anahy izy.11 Avia, ry malalako, ndao sika hindray ho agny ambanivohisy; ndao sika hatory agny amin'ireo vohisy.12Ndao sika hifoha maraindray ho agny an-tanim-boaloboky; ndao hozahasika no misimoky reo voaloboky, no misokasy reo voniny, vo no mamony reo apongabendagnisy. Agny gny hanomezako aniha gny fitiavako.13Mamerovero aoky zeho reo mandravasarosy; eo am-baravara ze hitoerasika gny karazam-boakazo voafanty aby, gny vao vo gny ela, ze fa nitehirisiko ho aniha, ry malalako.
Chapter 8

1Iriko ba hanahaky gny anadahiko, zay ninono tamin'gny nonon-dreniko hanao. Vo ndre eza ndre eza hahitako aniha agny ivelany, dra afaky magnoroky aniha zaho, dra sy hisy olo hanao sinosino anahy.2Ho tarihiko dra ho andesiko agny am-pasangen'gny reniko hanao, vo dra hapagnirianiha zaho. Homeko divay miharo raha magnisy ho inomy vo apahany amin'gny ranon'gny apongabendagnitriko hanao. Niresaky tamin'gny vatany gny tovovavy. 3Gny tagnany havia tao ambany pokopokoko vo gny tagnany havagna mamihina anahy. Niresaky tamin'ireo apela hafa gny apela.4Tiako hifata handrareo, ry zanaky apelan'gny olon'i Jerosalema, fa sy hanapaky gny fiaraha-mandrinay handrareo mandra-pahatapisiny. Reo apelan'gny Jerosalema niresaky.5Ia tiky avy magnato miakasy lat'agny an'efisy, mianky amin'gny malalany tihoky? Niresaky tamin'gny malalany gny tovovavy namoha aniha teo ambany hazo paiso zaho; teo amin'gny nanorotoron'gny reniniha anao; teo amin'gny niterahany aniha, namoahany aniha.6Ahivo manahaky gny tombo-kase ao am-poniha zaho, manahaky gny tombo-kase eo an-sandriniha, fa mahery manahaky gny fahafatesa gny fitiava. Gny firehetan'gny fahasarotam-piaro dra sy mamela mahazo manahaky gny Fiainan-sy hita; magnoro gny lelafony; lelafo midedadeda zeho, lelafo mahama noho gny afo hafa aby.7Reo rano manonza sy mahavono gny afon'gny fitiava, ndre reo tondra-drano sy mahafoaky anazy. No misy olo magnome gny fanagnany aby ao am-pasangeny ho avily fitiava, dra sinosino vatany zeho tolosy zeho. Reo anadahin'gny tovovavy mifapiresaky.8Mana zandrivavy zeho, sady sy mbo misiry nono izy. Ino gny azonay ahy ho an'gny anabavinay amin'gny andro zay hanolora anazy ho amin'gny fanambalia?9No manda izy, dra hanangananay tilikambo vita amin'gny volafosy teo aminazy. No vatrangara izy, dra hohengonay amin'gny hazo sedera fisaky. Niresaky tamin'gny vatany gny tovovavy.10Manda zaho, fa amizao reo nonoko dra manahaky reo tilikambo ferova fatrasy; koa tena fa matoy vatany zaho eo amasony. Niresaky tamin'gny vatany gny tovovavy11Nana tanim-boaloboky tao Bala-hamona i Solomona. Nahofany tamin'ereo ze te hikarakara anizeho gny tanim-boaloboky. Gny kiraidraiky dra sy mainsy manday sekely volafosy arivo ho solon'gny vokasy. 12Anahy vatany gny tanim-boalobokiko; gny sekely arivo dra aniha, ry Solomona malalako, vo gny sekely roanzato ho an'ize mikarakara anizeho so hahazoa vokasy. Gny malalan'gny apela niresaky taminazy.13Hanao ze mitoboky eo an-zariday, reo zakezako dra niteno gny feoniha; engao zaho mbo ho gny raiky ze hahare anizeho koa. Niresaky tamin'gny malalany gny apela14Malakia, ry malalako, dra aoky hanahaky gny gazela na gny diera tanora egny an-tendrombohis'ireo raha magnisy hanao.

Isaiah

Chapter 1

1Gny fahitan'Isaia zanak'i Amosa, ze hitany nahakasiky an'i Joda vo Jerosalema, tamin'gny andron'i Ozia, Jotama, Ahaza, vo Hezekia, pazakan'i Joda.2Mitenoa, ry lagnisy, dra manongilana sofy, ry tany; fa nizaka Yaveh ho: " Fa namaha vo niteza gny zaza Zaho, nefa nikomy Taminahy ereo.3Gny agnomby mahay gny topony, vo gny boriky mahafatasy gny tavy famahanan'gny topony anazy, kanefa sy fatasy gny Israely, sy takasy gny Israely.4Loza! Ry firene, panota, vahoaky mavesa-keloky, taranaky panao rasy, zanadahy panao meloky! Fa nahafo an'i Yaveh ereo, fa nanao sinosino an'gny Raiky Masin'Israely ereo, fa napihemosy gny vatan'ereo taminazy ereo.5Nagnino handrareo gny mbo vaozera? Nagnino handrareo gnymikomy hatragny hatragny? Marary gny loha manotolo, torova tateraky gny fo.6Sy misy farisy sy maratry hatramin'gby faladia ka hatragny amin'gny loha; fery, vo manga vo rasy vao avo; mbo sy voakato, voalio, na nofehezy, na nosaboy tamin'gny dililo aby regny.7Rava gny firenendrareo; may reo tagnandrareo; reo sahandrareo_eo amin'gny fagnatrehandrareo, gny hamotehan'gny olo hafa firene ireo_foa sady rava, naringan'ireo olo hafa firene.8Gny zanaky apelan'i Ziona dra nenga manahaky gny tragno bongo egny an-tanim-boaloboky, manahaky gny fandria egny amin'gny sahana kaokaombira, sahala gny tana mahy fahirano.9No sy nanenga sisa keliky tamisika i Yaveh Tompon'gny maro, fa manahaky an'i Sodoma sika tahaky anizay, fa nitovy tamin'i Gomora tahaky anizay.10Maharegneza gny zakan'i Yaveh, handrareo ry panapak'i Sodoma; mitenoa gny lalan'Agnaharisika, handrareo ry vahoakin'i Gomora ho:11"Ino zay fahamaroan'gny sorondrareo ho Anahy?" ho YAveh." Fa tofoky gny agnondrilahy ahy fagnatisy oroa ZAho, vo gny zaboran'gny biby mifahy; ka sy sitrako gny lion'gny agnombilahy, zanak'agnondry, na aosy.12No fa avy hiseho eto agnatrehako handrareo, ia gny nangataky anizay tamindrareo, mbo hagnisaky gny kianzako?13Ka manday fagnati-pahatany sasy; fahavetaveta gny ditin-kazy magnisy aminahy, gby vola vaovao vo gny Sabata fiangona_sy afaky gny hilefisy amin'iregny fiangonan-drasy regny Zaho.14Halako reo vola vaovaondrareo vo reo firavoravoa voatondrondrareo, eta-mavesasy ho Anahy regny; ketraky amin'gny fihareta regny Zaho.15Koa dra no fa mamelasy gny tagnandrareo amin'gny vavaky handrareo, dra magnavony gny masoko sy ho amindrareo Zaho; ndre dra manolosy vavaky maro aza handrareo, dra sy hiteno Zaho; feno lio gny tagnandrareo.16Sasao, diovy gny vatandrareo; alao sy ho eo amasoko gny faharasin'ireo asandrareo; mizanogna amin'gny faharasia;17mianara manao gny soa; mitaliava gny rariny, ahisio gny fapahoria, magnomeza rariny ho an'ireo kamboty, arovy gny mananon-tegna.18" Avia se, ndao sika hiaraky hifandiniky," ho Yaveh; "Ndre dra manahaky gny zaky se gny fahotandrareo, dra ho fosy sahala gny oram-panala regny, ndre dra mena sahala gny sily aza regny, dra ho sahala gny volon'agnondry fosy.19No magneky sady makato handrareo, dra hihina gny soa boakamin'gny tany,20fa no manda sady mikomy handrareo, dra ho levonin'gny amesa," fa gny vavan'i Yaveh gny mizaka anizay.21Indrisy, nazary zanga gny tana mahatoky! Izy zay feno rariny_izy zay feno fahamarigna, fa amizao kosa izy feno pamono olo.22Niova ho tain-dredriky gny volafosindrareo, miharo rano gny divaindrareo.23Ireo andriandrareo dra pikomy vo sakezan'gny pandrava; tia kolikoly aby gmny iaby vo fatra-pitalia tombony. Sy miaro gny kamboty ereo, ndre gny fitoreva ara-dalan'gny mananon-tegna zay avy eo agnatrehan'ereo.24Noho zay dra zao gny fagnambaran'i Yaveh Tompon'gny maro, gny Maherin'Israely ho: " Loza ho andreo! Hanao valifaty ho an'ireo pifagnindra aminahy Zaho, sady hamalifaty reo fahavaloko Zaho;25hapihery gny tagnako amindrareo Zaho, hagnadio gny tain-drendrikindrareo sahala gny amin'gny karbonetra Zaho, sady hangala gny tain-drendrikindrareo aby amindrareo.26Hapihery amin'gny laoniny reo pisarandrareo sahala gny tamin'gny volohany Zaho, vo reo panolon-saindrareo sahala gny tamin'gny vo nanomboky; afaran'izay handrareo dra ho tokavy ho tanan'gny fahamarigna, tana mahatoky.27Ho voavonzy amin'gny rariny i Ziona, vo reo pibebany amin'gny fahamarigna.28Hindray ho torotoro gny pikomy vo gny panota, vo reo ze nahafo an'iYaveh dra ho vita gny aminazy.29" Fa ho afa-baraka handrareo amin'ireo hazo terebinta masy zay nirindrareo fatrasy, sady ho megnasy handrareo amin'ireo saha zay fa nofilindrareo.30Fa hanahaky gny hazo terebinta raiky zay mihisan-draviny handrareo, vo sahala gny saha zay sy misy rano.31Gny lelahy mahery dra manhaky gny vohavoha, vo gny sany sahala gny pitik'afo; hindray ma ereo ro reo, vo sy misy hamono gny afon'ereo.
Chapter 2

1Reo raha hitan'i Isaia zanak'i Amoza tao agnaty, mahakasiky an'i JOda vo Jerosalema.2Amin'gny andro farany gny hagnorena tendrombohisin'gny tragnon'i Yaveh ho tendrombohisy abo vatany, dra hisanga eo ambonin'gny havona, vo reo firene aby hikoria ami n'izay.3Olo maro gny ho avy dra hizaka ho: "Avia, ndao sika hiakasy egny an-tendrombohis'i Yaveh, mbo hahafahany mapianasy gny sasanyamin'ireo lalany amisika, vo mbo handehanasika amin'gny lalany." Fa gny lalana dra hiboaky boakao Ziona, vo gny zakan'i Yaveh noakagny Jerosalema.4HIsara eo amin'ireo firene Izy sady hagnome fanapahan-kevisy ho an'ireo olo maro be; hanorotoro gny amesany ereo ho lelan'agnady, vo gny lelan'afon'ereo ho fanatezam-boaloboly; gny firene sy hanondrosy gny amesany hanohisy firene, na hiofa ho amin'gny ady.5Ry akohonan'i Jakoba, avia, dra aoky sika handeha amin'gny fahazavan'i Yaveh.6Fa nanenga gby olondrareo handrareo, ry akohonan'i Jakoba, akory fenon'gny fomban'gny asignana ereo sady pamaky fambara sahala reo Filistina, dra nifandray tagna tamin'gny zanaky gny vahiny ereo.7Feno volafosy vo volamena gny tanin'ereo, sady sy misy fetra gny hareny; feno sovaly avo koa gny tanin'ereo, vo sy misy fetrany gny kalesiny.8Feno sapy gny asan'gny tagnany avo, raha zay nahin'gny rasa-tagnany avo ereo.9Hiakohoky gny vahoaky, vo gny olo hilavo; noho zay ka mananga andreo.10 Mandehana agny amin'gny toera feno vato dra mivonia amin'gny tany amin'gny horohoron'i Yaveh vo amin'gny voninahisy gny fiandrianany.11Gny fiandrandran'gny mason'gny olo dra hahetry, vo reo olo mirehareha dra hitiky, vo Yaveh raiky gny hasandrasy amin'izay andro zay.12Fa hisy gny andron'i Yaveh tompon'gny maro hanohisy gny olo aby ze mirehareha vo misandrasy, sady manohisy gny olon'aby ze miavognavo---13sady manohisy reo sederan'gny Libanona aby zay ambony sady nasandrasy, sady manohisy reo hazo terebintan'i Basana aby.14Fa hanohisy reo tendrombohisy abo aby zay andron'i Yaveh tompon'gny maro zay, sady hanohisy reo havoa aby ze fa nasandrasy,15sady manohisy reo tilikambo abo, vo manohisy reo fefy sy mety rava,16sady manohisy reo sambon'gny Tarsisy aby, vo manohisy reo sambo soa tarehy aby.17Gny fireharehan'gny olo dra hahetry, vo gny havognavon'gny olo dra ho lavo; Yaveh raiky avo gny hasandrasy amin'izay andro zay.18Ho levo tateraky reo sapy aby.19HAndeha agnaty lavakin'gny tany, noho gny horohoron'i Yaveh, vo noho gny voninanhisin'gny fiandrianany, no fa misanga hapihorohoro gny tany Izy.20Hanipy reo sapy volafosy vo volamena gny olo amin'izay andro zay zay mahin'ero ho tompoy---hanipy reo agny amin'gny voalavo vo ramanavy ereo.21Handeha agnaty lavaky eo amin'gny vato gny vahoaky sady an-sefasefakin'gny harambato, noho gny horohoron'i Yaveh vo noho gny voninahisin'gny fiandrianana, no fa misanga hapihorohoro gny tany Izy.22Asaharo gny fahatokia gny olo, ze eo amin'gny vavorony gny fofon'ainy, fa ino gny hagnapian'izay?
Chapter 3

1Ingo, Tompo Yaveh tompon'gny maro dra fa piandraikisy vo vasy amin'i Jerosalema vo Joda: dra gny famasia-mofo aby, vo gny famasian-drano aby;2gny lelahy mahery, gny pialy, gny pisara, gny paminany, gny pamaky fambara, gny loholo;3gny kapitenin'gny dimapolo, gny ponina mana-kaza, gny panolo-say, gny panao asa-tagna za-draharaha, vo gny pimasy knga.4" Zatovo avo gny hapetrako ho pitariky andreo, vo reo tanora gny hanapaku eo amin'ereo.5Hapahory gny vahoaky, gny kiraikiraiky apahorin'gny hafa, vo gny kiraikiraikyapahorin'gny namany; gny zaza gny hagnaraby gny zokiolo, vo hihandy reo magneva haza rwo nambania.6Hangalaky gny rahalahiny ao an-tragnon-drany mihisy aza gny olo raiky dra hizaka ho: ' Mana akazo hanao; meteza ho panapaky anay, dra aoky zao faharava zao ho eo an-tagnanao.'7Amin'izay andro zay dra hitabataba izy dra hizaka ho: 'Sy ho pagnasitra zaho; sy mana-mofo zaho na akazo. Sy hanao annahy panapaky gny vahoakinao hanao."8Fa lavo Jerosalema, vo nilavo i Joda akory manohisy an'iYaveh gny fizakany vo gny asany, mihansy gny mason'gny voninahisinyu.9Gny fagnitian'gny tarehiny dra vavolombelo miapanga andreo; dra ambaran'ereo manahaky an'i Sodoma gny fahotany; sy mbo hhavoniny zay. Loza ho anazy regny! Fa nahatateraky loza be ho andreo avo izy.10Zakaogny olo-mary fa sy hagnino, fa hihina gny vokasy gny asany ereo.11Loza ho an'gny rasy fagnahy! Fa ho rasy gny hahazo anazy, fa gny valin'gny asan'gny tagnany gny hahy aminazy.12Ry oloko--akizy gny papahory andreo, vo apela gny manzaka eo aminazy. Ry oloko, rep ze mitariky andrareo dra mamipivio lala andrareo sady mapisafotofoto lala-kandehanandrareo.13Misanga nohon'gny fiapanga Yaveh, misanga hiapanga gny olo Izy.14Ho avy amin'gny fisara hanohisy reo loholon'gny olony vo reo pitarikiny Izy ho: " Namotiky gny tamim-boaloboky handrareo; ao an-tragnondrareo ze voaroba aby tamin'gny mahatra.15Nagnino handrareo gny manorotoro gny oloko sady manosiosy gny tarehin'gny mahatra?" Zay gny fagnambaran'i Tompo Yaveh tompon'gny maro.16Zay gny zakan'i Yaveh akory mirehareha gny zanaky apelan'i Ziona, mandeha amin'gny loha mihesikesiky, sady mangariky amin'gny masony, mikatrapokatrapoky am-pandrehana no mapikorisakorisaky amin'gny tombony,17noho zay dra hapisy arety manakom-pery eo an-dohan'gny zanaky apelan'i Ziona gny Tompo, dra hahin'i Yaveh sola ereo.18Amin'izay andro zay dra hangalaky reo firavaky gny ranzo soa tarehiny, reo fehilohany, reo fihaingoa sari-vola,19reo kavi, reo rozontagna, vo reo voaly;20reo saron-doha, reo rozon-kitro, reo fehin-troky, vo reo vata fasia ranomagnisy, vo reo ravaky manday vinta gny Tompo.21 Ho alany reo perasy vo reo kavin'oro;22reo akazo lava fanaova lanogna, reo kapoty, reo voaly, reo perasy keliky;23reo fitarasy keliky, reo atin'akazo rongony fosy maliniky, reo hengon-doha, vo reo firakofa.24Hamemboa gny ho solon'gny ranomagnisy mamerovero; vo taly gny ho solon'gny fehin-troky; loha sola gny ho solon'gny soa-hogo; vo lamba fandala gny ho solon'gny akazo lava; vo fitomboky mahama ho solon'gny hasoa.25Ho lavon'amesa gny lelahindrareo, sady ho lagny agn'aly gny lelahy maherindrareo.26Hitomagny gny vavahadin'i Jerosalema ka handala; dra ho reriky izy sady hidaraboky amin'gny tany.
Chapter 4

1Amin'izeho andro zeho hisy apela fito hita lelahy raiky dra hizaka ho: "Gny sakafonay avo gny hohaninay, gny fitafianay avo gny hotafianay. Fa aoky zahay hangalaku gny agnaraniha hangala gny hegnasinay." 2Amin'izeho andro zeho gny sapan'i Yaveh dra hafinarisy sady be voninahisy, vo gny vokatrin'gny tany dra hasiro sady hafinarisy ho an'ireo sisa velo agny Israely.3Fa ze tavela agny Ziona vo ze sisa tavela agny Jerosalema dra hotokavy ho masy, gny kiarikiraiky ze voasorasy ho velo agny Jerosalema. 4Hitranga zeho nofa hanasa gny fahaloton'ireo zanaky apelan'i Ziona gny Tompo, dra hanasa gny lio ze mandoto hatramin'gny agnivon'i Jerosalema, amin'gny alalan'gny fagnahin'gny fisara vo gny fagnahin'gny afo mirehisy.5Dra eo ambonin'gny fitoeran'gny tendrombohis'i Ziona manotolo vo eo amin'gny toeran'gny fiangonany, Yaveh dra hamoro raho vo setroky amin'gny andro, dra famirapiratan'gny afo mirehisy amin'gny hariva; vo ho safosy ambonin'gny voninahisy aby zeho.6 Ho alokaloky felofa amin'gny hafana zeho amin'gny andro, vo ho felofa vo ho ferova amin'gny tafiosy vo gny ora.
Chapter 5

1Engao zaho hihira ho an'gny malalako soa, hiran'gny malalako mikasikin'gny tanim-boalobokiny. Nana tanim-boaloboky teo amin'gny havoa tena lonaky gny malalako soa. 2Nasainy zeho, nafindrany reo vato, dra namboly zeho tamin'gny karazam-boaloboky tena soa izy.Nananga tilikambo teo agnivon'izeho izy, sady koa nananga famiazan-mboloboky. Niamby anizeho izy hamokasy voaloboky, fe voalobo-drasy avo gny namoha.3Vo amizao, gny ponin'i Jerosalema vo gny olon'i Joda, dra misara anahy vo gny tanim-boaloboko. 4Ino koa gny tokony nahy tamin'gny tanim-boaloboko, ze mbo sy vitano taminazy? Ombia gny nisiry zeho so hamokasy reo voaloboky zaho, nagnino gny namokasy voalobo-drasy zeho?5Vo zeho ho zakako andrareo ze hahiko amin'gny tanim-boaloboko: Halakko gny fefy, havaliko ho ahisy anizeho, dra ho ravaiko gny fefiny, vo ho voahisaky zeho. 6Ho simbasimbaiko zeho, dra sy ho voarakosy na voakarakara. Fe koa, reo hery vo reo silo gny hisimoky. Ho bekoiko avo koa gny raho sy hisaro eo aminazy.7Fa gny tanim-boalobok'i Yaveh Tompon'gny maro gny tarana'Israely, vo gny lelahin'i Joda gny voly tiany; niamby gny rariny izy, kay, famonoa gny nisy; gny fahamarigna, kay, fihiakin'gny fitaraigna gny solon'izeho.8Loza ho an'ireo ze mapifandray gny isan-tao, ze mapifandray gny isan-saha, ambarapaha-sy misy efisy tavela, dra handrareo raiky gny sisa hitoesy eo amin'gny tany! 9Ho Yaveh Tompon'gny maro taminahy, fasange maro gny ho foa, ndra dra lahibe sady soa aza, sy misy pitoboky. 10Fa bata raiky monza gny ho vokasy gny voaloboky folo zemeba, vo efaha raiky monza gny ho vokasy gny vihindraha raiky homera.11Loza ho an'ireo ze mifoha vo mangiran-drasy so hahazo raha inomy mahery, reo ze mizano amin'gny hariva mandra-pahamamon'gny divay andreo. 12Nanasa tamin'gny harpa, lokanga, vo apongatapaky, gny sodina, vo gny divay ereo, fe sy nihevisy gny asan'i Yaveh ereo, na koa nihevisy reo raha vitam'gny tagnany.13Koa fa lasa-ko babo nohon'gny sy fahapian'gny fahazavan-sy gny oloko; ho resy reo pitariky maeva haza andreo, dra sy hisy ho inomy reo vahoakiny. 14Dra fa nahin'gny Fiaignan-sy hita ho lahibe gny homany dra nisokafany misagnasagna gny vavany; dra nizoso tagny amin'gny Fiaignan-sy hita, reo sangany, gny vahoaky, reo pitarikiny, vo reo papiseo vo reo ze faly teo amin'ereo.15Gny olo dra sere hiankohoky, vo gny olombelo dra hahetry; gny mason'gny avo dra hazoso. 16Yaveh Tompon'gny maro dra hisondrosy amin'gny fisarany, vo gny Zagnahary Gny Masy haneho gny vatany ho masy amin'gny alalan'gny fahamarignany. 17Vo gny agnondry dra hifaha manahaky gny egny amin'gny tanim-bilony avo, vo tao amin'gny korota, reo zanak'agnondry dra hihina manahaky gny vahiny.18Loza ho an'ireo ze mitari-keloky amin'gny kofehy sy misy ila anazy vo ze mitarik'ota manahaky gny ho amin'gny talin-sarety zeho. 19Loza ho an'ireo ze mizaka ho : "Aoky handondo Zagnahary, aoky hiasa malaky Izy, so ahafahasika mahita gny fisehon'izeho; dra aoky ho avy gny fikasan'Gny Masin'Israely, so hafatarasika andreo."20Loza ho an'ireo ze mizaka gny rasy ho soa, vo soa ho rasy; ze magnambara gny ezy manahaky gny mazava, vo gny mazava manahaky gny ezy; ze mizaka gny mafaisy ho mamy, vo gny mamy ho mafaisy! 21Loza ho an'ireo ze hendry eo amasony avo, dra malina amin'gny fahazavan-sainy avo!22Loza ho an'ireo ze tompon-daka amin'gny finoma divay, vo tompony amin'gny fangaroa fino mahery; 23ze magnome signy gny rasy fagnahy ho amin'gny fagnefa, vo manaisotry gny sy manan-signy amin'ireo mariny!24Koa tahaka ny lelan'afo mandevona mololo, vo ho lo gny fakan'ireo, vo ho voatsoka tahaka gny vovoka ireo felany. Hitranga izany satria nanda gny lalan'i Yaveh Tompon'ny maro andreo, vo satria efa nanao tsinotsinona ny tenin'Iray Masin'Israely25Dra noho zeho gny hahorian'i Yaveh dra nirehisy amin'ireo olony. Fa naninzisy gny tagnany manohisy andreo sady fa magnasazy andreo Izy. Hangitakitaky reo tendrombohisy, vo gny faitn'ereo dra manahaky gny fako egny am-dala. Amin'izeho raha aby zeho, dra sy boo miafa gny hahoriany; fe koa, bo hihinzisy avo gny tagnany.26Dra hananga fagneva famatara ho an'ireo firene lavisy Izy dra hisioky ho an'ireo agny am-paran'gny tany. Ingo, ho avy malaky dra avy hatragny ereo.27Sy misy rokaky na tafitohy amin'ereo; sady sy misy randreha na matory. Na mivaha gny fehi-trokin'ereo, na tapaky gny fehin-kapany. 28Maragnisy gny zana-sipikiny sady mienza gny sipikiny aby; gny kitro-sovalin'ereo dra manahaky gny afovato, gny kodiaran-kalesiny manahaky gny tafio-drivosy.29Gny fierosiny dra manahaky gny liona; dra hierosy manahaky gny zana-diona ereo. Dra hierosy vo hisambosy gny haza ereo dra hitaritaiky anizeho, dra sy hisy hamonzy. 30Amin'izeho andro zeho dra hierosy hanohisy gny haza manahaky gny fierosin'gny ranomasy ereo. No misy olo magnety gny tany, dra hahita hezy vo fizalia izy; ndre dra ho mezin'gny raho aza gny hazava.
Chapter 6

1Tamin'gny tao nahafatesan'i Ozia pazaka, dra nahita gny Tompo nitoboky teo amin'gny seza fiandriana zaho; sady abo gny ambony Izy, dra nameno gny tepolu gny moron'akazo lavany. 2Teo amboninu dra nisy serafima; samby nana elasy any aby; gny ro nisafosy gny tarehiny, gny ro hafa nisafosy gny tombonuy, vo gny ro nitilignany.3Nifapitoka ereo dra nanao ho: "Masy, masy, masy, i Yaveh Tompon'gny maro! Zao totolo zao dra feno gny voninahisiny."4Nihozongozo tamin'gny feon'ireo ze mitaray gny fotos'ireo tokonam-batrangara, dra feno setroky gny fasange.5 Dra ho zaho ho: " Loza! Very zaho akory lelahy maloto sogny zaho, dra niay teo amin'gny vahoaky maloto sogny, akory gny masoko dra fa naita gny Pazaka, Yaveh, Yaveh tompon'gny maro!"6Boakeo dra nisy raiky tamin'ireo serafima nitily teo aminahy; nisy bain'afo tegny an-tagnany, ze nalany nindray tamin'gny tandra tegny amin'gny alitara. 7Nikasiky gny sogniko tamin'izeho izy dra nizaka ho: "Ingo, nikasiky gny sogniniha tiky; afaky gny helokiniha, dra voavela gny fahotaniha."8Nahare gny feon'gny Tompo zaho nanao ho:"Ia gny tokony hirahiko; ia gny handeha ho asika?" Dra ho zaho ho: "Tihoky zaho; hiraho zaho." 9Ho Izy ho: Mandehana dra zakao reo vahoaky reo ho: 'Tenoy, fa ka tarkary; atio, fa ka mamatasy.'10Hafatraro gny fon'iho vahoaky iho, dra ahivo maregny gny sofin'ereo, vo ahivo poaky gny mason'ereo. No sy zeho dra mety hahita amin'gny masony iereo, hahare amin'gny sofiny, vo hahay amin'gny fon'ereo, dra boekeo hiova dra ho sitra." Dra ho zaho," Tompo o, mandra-pombia seky?" Dra ho izy,11Dra ho zaho ho: "Ry Taompo, mandra-pombia?" Namaly Izy ho: "Mandra-pahafoan'gny tana, dra sy hisy pony, vo fasange sy hisy olo, vo gny tany ho lao vatany,12dra Yaveh hapandeha lavisy gny olo, dra ho be gny lao ao amin'gny tany.13Ndre gny apaha-folon'gnhy olo tavela ao aminizeho aza, dra ho potehy ndraiky; manahaky gny terebinta vo oka nitapahy dra misy ransany tavela, vo vihy masy dra ao amin'gny fotony."
Chapter 7

1Tamin'gny andron'i Ahza zanadahin'i Jotama zanadahin'i Ozia, pazakan'i Joda, dra niakasy nagnagny Jerosalema i Rezina pazakan'i Syria, Pelza zanadahin'i Remalia, pazakan'i Israely ba hananga aly amin'zay, fa sy nandresy anizay ereo.2Notatery tagny amin'gny fianakavian'i davida fa nindray tamin'gny Efraima gny Syriana. Nangovisy gny fony, vo gny fon'gny vahoakiny, manahaky reo hazo agn'ala agny ahozongozon'gny rivosy.3Dra ho Yaveh tamin'Isaia ho: " Miboaha mindray amin'i Seara-jasoba zanakin'iha lelahy ba hisena an'i Ahaza eo amin'gny faran'gny lakan-dranon'gny kamory ambony, egny amin'gny lala magnagny amin'gny Sahan'gny Panasa lamba.4Zakao anazy ho: ' Mitandrema, ka taitaisy, ka matahosy ndre apitaorin'ereo tapa-poroha ro midonaky reo, amin'gny hasosoran'i Rezina vo Syria, vo Pelza zanadahin'i Remalia.5Syria, Efraima, vo gny zanadahin'i Remalia dra nanao teti-drasy hanohera anao; ho ereo ho:6" Andao sika hanafiky an'i Joda sady hapihorohoro anazy,ary aoky sila hamaky anazy vo hametraky gny pazakasika, gny zanadahin'i Tabeala ao."7Ho gny Tompo Yaveh ho :'' Sy ho tateraky zay; sy hiseho zay, 8akory Damaskosy gny lohan'i Syria, vo Rezina gny lohan'i Daamskosy. Agnatin'gny dimy amby eni-polo tao, dra ho torotoro gny Efraima vo sy ho vahoaky sasy. 9Samaria gny lohan'i Efraima, vo gny zanadahin'i Remalia gny lohan'i Samaria. Gno sy mitoby fatrasy amin'gny finoa handrareo, dra azo antoky fa sy ho voaro.10Nizaka tamin'i Ahaza ndraiky gny Tompo ho: 11" Mangataha famatara amin'i Yaveh Zagnaharin'iha; mangataha an'izeho amin'gny laliky ndre amin'gny hahabonin'gny agnabo."12Dra ho Ahaza ho: " Sy hangataky zaho, ndre hisapa an'i nYaveh."13Dra namaly Isaia ho: " Tenoy, ry akohonan'i Davida. Sy apy andrareo vahoaky se gny misapa gny faharetan'gny vahoaky? Sy maisy misapa gny faharetan'gny Zagnahariko koa ra handrareo?14No zeho dra gny Tompo mihisy gny hagnome famatara andrareo: Iho, ho bevoka gny somondrara, hiteraky zaza lelahy, vo hitoka gny agnarany ho Imanoela.15Hihina rononomandry vo tately izy no fa mahay manda gny rasy vo misafidy gny soa.16Fa mialohan'gny hahaizan'gny zaza manda gny rasy vo misafidy gny soa, dra ho lao gny tamin'gny pazaka riho ze natahoran'iha riho. 17Yaveh dra hinday andro sy mbo nisy hatramin'gny nialan'i Efraima tamin'i Joda amin'iha, vo gny vahoakin'iha , vo amin'gny fianakavian-dran'iha ---handesy amin'iha gny pazakan'i Asyria."18Amin'zeho andro zeho Yaveh dra hisioky lalisy avy lavisy egny amin'gny onin'i Egypta, vo tately laha tamin'gnyb tanin'i Asyria. 19Ho avy aby izy aby hifitaky ambany egny amin'gny llohasaha lao, egny asefasefany gny harambato, amin'gny fefy silo aby egny,vo amiamin'gny tany fihinam-bilo egny aby.20Amin'zeho fotoa zeho gny Tompo dra handrasy amin'gny hareza nofay tagny andafin'gny onin'i Eofrata--gny pazakan'i Asyria--gny loha vo gny volo tomboky; hangala riho volom-bava avo koa zay.21Amin'zeho andro zeho,dra hiteza agnomby vaviny masaiky vo kadra ro gny olo.22Vo nohon'gny hamaroan'gny ronono ze homen'ereo,dra hihina rononomandry izy, akory gny olon'aby tavela amin'gny tany eo dra hihina rononomandry vo tately.23Amin'zeho fotoa zeho,teo amin'zeho nisy voloboky aman'arivony tombagna sekely volafosy arivo, dra hisy ndre ino ndre ino gno nsy silo.24Handeha ho agny so hizaha amin'gny sipiky gny olo, akory gny tany aby dra silo aby.25Hizano lavisy gny tately ze navaliky tamin'gny fangaly ereo, nohon'gny tahosy an'riho silo; fa ho toera fihinanan'gny biby fiteza vo kadra zeho
Chapter 8

1Nizaka taminahy Yaveh ho: " Mangala vato pisaky lahibe vo zorato amin'zeho ho: "Mahera-Salala-Hasi-Baza"2Hapitoka vavolombelo matoky hagnamary ho Anany Zaho, dra Oria pisoro, vo Zakaria zanadahin'i Jeberekia."3Nagnagny amin'gny paminany apela zaho, vo nanagn'anaky dra hiteraky zaza lelahy izy. Vo Yaveh nizaka taminahy ho: "Ahivo ho: "Mahera-salala-hasi-baza.' gny agnarany.4Fa mialohan'gny hahezan'gny zaza mitoka ho: " Babako, vo neniko, dra hangalaky gny harenan'i Damaskosy vo gny babon'i Samaria gny pazakan'i Asyria."5Nizaka taminahy ndraiky Yaveh ho: 6" Akory tahoky vahoaky tahoky dra nanda gny rano misononok'i Siloa, vo faly amin-dRezina eo vo amin'gny zanadahin'i Remalia,7nohon'zeho gny Tompo dra hinday gny ranon'gny renirano ho eo amin-drereo reo, mahery vo maro, gny pazakan'i Asyria vo gny voninahiny aby.b Ho avy amin'gny tokany aby dra hahatondraky gny morony.8Gny Renirano dra hifaoky manombpky amin'i Joda ao, hanondraky vo hamakivaky, mandra-hiavin'zay amin'gny tarafeon'iha eo. Reo elasy mivelasy dra hamono gny sakan'gny tany,ry Imanoela.9Ho torotoro handrareo ry vahoaky. Mitenoa, ry firene lavisy aby: vonony ho amin'gny aly gny tegna ndrareo vo torotoroy.10Manova paik'aly, fa sy ho tateraky zeho,mamoaha lily, fa sy tateraky zeho, fa miahy anay Zagnahary.11Yaveh nizaka taminahy, nindray tamin'gny tagnany mahery ze teo aminahy, vo nampitandry anahy sy handeha amin'gny lalan taho vahoaky taho.12Ka tokavy ho tetiky gny raha ze tokavin'taho vahoaky taho ho tetiky, tsy hatahosy ze hatahorany hanao,vo ka reki-tahosy.13Fa Yaveh tompon'gny maro gny omen'iha voninahisy ho masy. Izy gnyraiky ze tokony hatahoran'iha,vo izy raiky gny tokony hampangitakitaky an'iha.14Ho avy fifitaha masy izy, fa ho vato fameleza Izy, vo ho vatolapy fanafitohigna_ho an'gny akohonan'Israely, vo ho an'gny vahoakin'i Jeroselema dra ho fandriky vo lavo izy.15Maro gny ho tafitohy amin'zeho dra ho lavo vo ho rava, ho voafandriky dra ho vobabo.16Fehezo gny fizoroako vavolombelo, vo asio tombo-kase gny firaketa ofisialy, vo ameo ereo pianasiko zay.17Hiambyan'i Yaveh zaho,ze magnavony gny tarehiny amin'gny akohonan'i Jakoba; hiamby Anazy zaho.18Iho, zaho vo gny zanadahiny ze namean'i Yaveh zaho dra ho famatara vo ho raha mahalasa ao Israely laha tamin'i Yaveh Tompon'gny lako, ze mifitaky amin'gny tezovohis'i Ziona eo.19Hizaka ami-ndrareo iereo ho: " Agnotanio gny pahita vo gny pisikily," ereo ze misy somba mimenomeno vo mibisiky fitokava. Fa sy tokony hagnotany gny Zagnahariny moa gny olo? Tokony hagnotany gny maty ho an'gny velo moa ereo?20Araky gny lily vo gny fizoroa vavolombelo! Gno sy mizaka mitovy amin'zeho ereo, dra akory sy mana gny fahazavan'gny maraindray.21Hiriosy eo amin'gny tany amin'gny fahoria vo gny haserea lahibe ereo. Gno fa resy ereo, dra ho ory sady hagnozo gny pazakany vo gny Zagnahariny, naho manondrosy gny tarehin'ereo ambony.22Hagnety gny tany ereo dra hahita gny fahoria, gny henzy,vo gny fazombogna mapahory. Ho roahy magnagny amin'gny tanin'gny fahamezegna ereo.
Chapter 9

1Hisava eo amin'ze tao agnatin'gny fangirifiria gny ezim-pito.Tamin'gny taloha dra nangala baraka gny tanin'i Zebolona vo gny tanin'gny Naftaly Izy, nefa ao afara ao dra hanao ze ho be voninahisy izy, gny lala magnagny amin'gny ranomasy, agny andafin'i Jordana,ze hafa firene mifitaky ao Galilia.2Fa nahita fahazava lahibe gny vahoaky ze nandeha tamin'gny henzy; gny ze fa niay tao amin'gny tanin'gny aloky gny fahafatesa, dra fa namirapirasy teo amin'ereo gny fahazava.3Fa nahalako gny firene Hanao; fa napitombo gny hafalian'ereo Hanao. Mifaly agnilan'iha manahaky gny fifalia amin'gny fotoan'gny fanapaha ereo, manahaky gny olo faly gno fa mizara gny voroba ereo.4Notorotoroin'iha manahaky gny tamin'gny zioga mavesany, gny mandigny teo asorony, gny sorakkazon'gny papahory anazy.5Fa gny kiraro aby ze magnisaky eo amin'gny fikorotagna vo gny akazo mihososy lio dra horoa,hahy soliky ho an'gny afo.6Fa zaza gny teraky ho asika, zaza lelahy gny nameny asika, vo ho eo asorony gny fanapaha, vo gny Agnarany ho tokavy ho panolo say Mahagaga, Zagnahary Mahery, Ray Mandrakizay, Andrianin'gny Fiadagna.7Gny fitomboanin'gny fazakany vo gny fiadagna dra sy hisy farany, gno manapaky amin'gny fiandrianan'i Davida Izy, vo eo amin'gny fazakany, so hanoby vo hamoha izay amin'gny rariny vo fahamarigna manomboky amin'io fotoa io vo ho mandrakizay. Gny zotopon'i Yaveh tompon'gny lako gny hiahy an'zeho.8Nandefa zaka hanohisy an'i Jakoba gny Tompo, vo avy teo amin'Israely zay.9Gny vahoaky aby dra hahafatasy ndre i Efraima vo gny ponin'i Samaria aza,ze mizaka amin'gny fiavognavogna vo fibohabohanin'gny fony ho: 10" Fa nezera gny biriky, fe hasangasika amin'gny vato fandraky ndraiky zeho; fa voatapaky gnyamota, fa ho solosika sedera eo amin'gny toerany."11Noho zeho dra hisanga hanohisy anazy Yaveh dra i Rezina, gny pifagnandry aminazy, vo hapisiky gny fahavalony,12dra gny Syriana avy agny asignana, vo gny Filistiana avy agn andrefa. Handrapaky gny Israely amin'gny vavany misangasanga ereo. Amizehe raha aby zehe, dra nihena gny fahoriany; fa koa, bo mihizisy gny tagnany.13Fe gny olo sy hihery Aminazy ze namely an'ereo, na hitalia an'i Yaveh Tompon'gny lako.14Ko dra ho tapahin'i Yaveh gny loha vo gny rambon'i Israely, gny sapan-drofia vo gny volotara, ao agnatin'gny draiky andro.15 Gny pitariky vo gny olo mendri-kaza gny lohany; vo gny paminany gny nanoro vandy gny rambony.16Ereo ze mitariky riho vahoaky riho gny mitariky an'ereo amin'gny lalan-diso, vo ereo ze mitariky an'ereo gny voately.17Noho zeho gny Tompo dra sy ho faly amin'gny tovolahin'ereo na hana fangoraham-po amin'gny kamboty vo reo pinday vata ereo, akory gny olon'aby dra piasaravelasihy vo piahy rasy rahateo,vo gny vava aby dra mizaka adala. Amize zaha aby zeho, dra sy mihe gny fahoriany; fa kosa, dra bo mihizisy hatragny gny tagnany.18Fa magnoro manahaky gny afo gny faharasia; mandevo gny hery vo gny silo zeho; magnoro gny kirihis'ala aza zeho, ze miakasy ao amin'gny savorovoro hoto.19Amin'gny fahorian'i Yaveh Tompon'gny lako gny ma gny tany, vo gny olo dra manahaky gny soliky ho an'gny afo. Sy misy olo miferignay gny rahalahiny.20Handrapaky gny hany amin'gny tagna akavana ereo nefa resy avo, hihina gny hany amin'gny tagna akavia ereo nefa sy ho afa-po. Ndre dra gny kirairaiky aza dra hihina gny nofin'gny sandriny avo.21Manase dra handevo an'i Efraima, vo Efraima handevo an'i Manase, dra hindray ho tia an'i Joda ereo. Amin'ze raha zeho, dra sy mihe gny fahoriany; fa kosa, dra mbo mihizisy hatragny gny tagnany.
Chapter 10

1Loza ho andreo ze manao lalana sy araky gny hisiny vo manorasy lily sy ara-drariny.2Sy magnome rariny gny ory izy, mandroba gny oloko mizaly amin'gny zony ereo, mandroba gny pinaday vata, vo manao gny kamboty ho hazan'ereo!3Ino gny hataon'iha amin'gny andro fisara gny fa ho avy boak'agny lavisy gny faharava? Amin'ia hanao gny hienga hitalia fagnapia, vo eza gny hanobianao gny varanao? 4sy hisy ndre inop ndre ino ho tavela, vo hitapify eo amin'gny gaza hanao na ho lavo eo amin'ereo maty. Amin'riho raha any riho dra sy mihe gny haoriany; fa zeho, dra bo mohizisy avo gny tagnany.5Loza ho an'ereo Asyriana, gny soarakazo n'gny fahoriako, sorakazoze handesako gny fahasiahako!6Alefako hanohisy firene miavognavo vo hanohisy gny vahoaky ze mizaka gny haoriako manafosy anazy. Mandidy anazy hangalaky gny babo, hangalaky gny haza, vo hagnisakisaky reo manahaky gny fotaky egny andala zaho.7Kanefa sy zay gny kasany, na ho mihevisy manahaky anizay izy. Ao apony izay ho handrava vo handringa firene maro zay. 8Fa ho izy ho: " Moa sy pazaka aby se gny andrian-dahiko aby? 9Sy manahaky an'i Karkemisy se i Kalno? Sy manahaky an'i Arpada se i Hamata? Sy manahaky an'i Damaskosy se i Samaria?10Manahaky gny nandresen'gny tagnako riho fazaka panopo sapy, ze kahibe kokoa noho reo an'i Jerosalema vo Samaria gny sary raha sakis'ereo, 11manahaky ze nahiko tagny Samaria vo reo sapy zava-poa, moa sy hanao manahaky izay amin'i Jerosalema vo reo sapiny avo koa moa zaho? "12Gny fa nahavita gny asany teo amin'gny tezovohisy Ziona vo tao Jerosalema gny Tompo, dra hagnasazy gny zakan'gny fo miavognavon'gny pazakan'i Asayria vo gny fignitia feno avognavo zaho.13Fa izy nizaka ho: " Tamin'gny tazako vo gny fahendreko gny niasako. Mana fahazava say zaho, vo fa nangala gny fefin'ireo vahoaky. Fa nangalariko gny harenan'ereo, vo manahaky gny agnombilahiko gny napoizoroako reo ponina.14Manahaky gny fisambora avy ao amin'gny akany, gny nangalan'gny tagnako reo haren'gny firene, vo manahaky gny fanangonan'gny raiky reo atoly nenga, gny hagnangonako gny tany aby. Sy nisy nagnakapoky gny elany ereo na nanokasy gny vavany na nihiakiaky."15Moa ve gny famaky hirehareha momba gny vatany amin'zay mampiasa anazy? Moa ve gny sofa hidoka gny vatany noho gny raiky zay manapaky amin'gny alalan'zay? Zay dra manahaky gny ho: afasorakazo raiky afaky mienga amin'ereo ze manenga an'zay na manahaky gny ho afaky manenga olo gny soarakazo. 16Noho zay dra handefa fahiaza eo amin'ereo pialiny sangany i Yaveh Tompon'gny lako; vo eo ambanin'gny voninahiny dra hisy fireheta manahaky gny afo mirehisy.17Ho avy afo gny fahazavan'Israely, vo gny raiky Masiny ho lelan'afo, hagnoro vo handevo reo silony agnatin'gny raiky andro moza zay. 18Yaveh dra hanimba gny vononahisy gny alany vo gny taniny mamokasy, dra gny fagnahin'zay vo gny vatan'zay; hanahaky gny olo marary miala ay zay.19Ho keliky reo sisa tavela amin'reo hazon'gny alany, ka ndre gny zaza aza afaky hagnisa reo.20Amin'zay andro zay, reo Israely sisa, reo fianakavian'i Jakoba ze mienga, dra sy hiatehisy amin'gny raiky ze nandresy anazy reo sasy, fa hiakyamin'i Yaveh vatany, dra gny raiky Masin'Israely.21Ze tavela amin'i jakoba dra nihery agny amin'gny Zagnahary mahery.22Fa ndre gny olon'iha aza, ry Israely, dra manahaky gny fasiky egny amoron-dranomasy, ze sisa tavela amin'ereo avo gny hihery. Nitendreny gny faharava,araky gny fangatakha fahamarigna manafosy.23Fa Yaveh Tompo'gny lako, dra eo andala-pagnatateraha gny faharava zay nontendre magnera gny tany.24Noho zay Yaveh Tompon'gny lako mizaka ho: " Ry vahoakiko zay mitoby ao Ziona, ka matahopsy reo Asyriana." Hamely an'iha amin'gny sorakazo izy, vo hananga gny tehiny amin'iha, araky zay nataon'ereo Egyptiana.25Ka matahosy anazy, fa afaky fotoa fohy dra hihasahy gny fahoriako amin'iha, vo hitariky amin'gny faharavany gny haoriako."26Dra Yaveh Tompon'gny lako dra hagnenga karavasy amin'ereo, manahaky gny tamin'gny nandreseny gny Midiana teo ambatolapin'i Oreda. Hagnenga gny rasakazony eo amin'gny ranomasy izy vo hagnenga izay manahaky gny nataony tao Egypta.27Amin'zeho andro zeho,gny vesasiny dra hiala laha teo amin'gny sorokin'iha vo gny ziogany laha teo amin'gny vozon'iha. Vo gny zioga dra ho rava nohopn'gny hatevezany.28Avy tao Aiata gny fahavalo vo nandalo an'i Migrona; tagny Mikmasy gny nitavina reo vasiny.29Nisaky tamin'gny fandalova ereo vo nitoby tao Geba. Nihovisovisy i Rama vo nilefa i Gibean'i saoly.30Mikiakiaky fatrasy ry zanaky apelan'i Galima! Aoka ho liana,ry Laisy! Indrisy ry Anatota mizaly.31Milefa i Madmena, vo reo ponin'i Gebima dra mihazakazaky ho amin'gny fiarova. 32Amin'iho andro iho mihisy gny hizano ao Noba izy dra hamoko gny totohondry agny an-tendrombohisy gny zanakapelan'i Ziona, gny havoan'i Jerosalema.33Iho, Yaveh Tompon'gny lako hapiezera reo sapa amin'gny fidoboha mapatahosy; ho tapahy reo hazo lava loasy,vo ze abo loasy dra hafohezy.34Hamaky reo kirihitr'ala amin'gny famaky izy, vo iLIbanona dra hezera amin'gny fiandrianany.
Chapter 11

1Hisy solofony hisimoky avy amin'gny fotos'i Jese, vo hisy rasana avy amin'gny fakany hinday tegnany. 2Hitoby aminazy ao gny Fagnahin'i Yaveh, gny fagnahin'gny fahendre vo fahazava say, gny fagnahin'gny fapianara vo hery, gny fagnahin'gny fahalala vo tahosy an'i Yaveh.3Gny sitrany gny ho tahosy gny tompo, sy ho saray amin'ze hitany maso izy, na hanapa-kevisy amin' ze ren'gny sofiny.4Fa kosa, hisara gny mizaly amin'gny fahamarigna izy sady hanapa-kevisy ar-drariny amin'gny pagbetry tegnan'gny tany. Hamely tany amin'gny sorakazon'gny vavany izy, vo hamono gny rasy fagnahy tamin'gny fofon'ain'gny molony.5Gny fahamarigna gny ho fehi-trokin'gny andilany, vo fahatokia gny fehi-troky mihodidy gny valahany.6Gny amboadia dra hindray hiay amin'gny zanak'agnondry, vo gny leoparda hindray mandry amin'gny zanak'osy, gny zanak'agnomby, gny liona tanora vo gny zanak'agnomby mifahy.7gny agnomby vavy vo gny bera dra hindray hiroaky,dra zanak'ereo hindray mandry. Gny liona dra hihina mololo manahaky gny agnomby.8Hihisa eo andavaky gny menarana gny zaza,vo gny zaza nisara-nono hanoby gny vatany eo andavaky gny bibilava.9Sy handrasy na handrava egny amin'gny tezovohisy masy aby ereo; akory ho feno fahalala an'i yaveh gny tany, manahaky gny rano mandrakosy gny ranomasy.10Amin'zeho andro zeho, dra hisanga manahaky gny fagneva ho an'gny vahoaky gny fotos'i Jese. Hitalia an'ereo firene vo ho be voninahisy gny toera fisaharany.11Amin'zay andro zay,dra hagnasarosy gny tagnany ndraiky gny Tompo ba hagnery reo sisa tavela amin'gny vahoakiny zay mitoby agny Asyria, Egypta, Patrosa, Kosa, Elama, Sinara, Hamata, vo reo nosin'gny ranomasy.12Hanoby fagneva ho an'ireo firene izy vo hagnango reo voaroakin'Israely vo reo voaelin'i Joda avy agny ami'gny vazatany efasy.13Hamalosy gny fialognan'i Efraima Izy, sady ho fongora gny fandrafian'in Joda. Sy hialo an'i Joda gny Efraima, vo Joda sy handrafy an'i Efraima sasy.14Fa hizoro hanafiky amin'gny Filistiana agny avarasy koa ereo, vo hindray hagnababo gny vahoaky agny asignana. Hanafiky an'i Moaba ereo, vo hakato an'ereo gny vahoakin'i Amona.15Hamotiky taterakygny sakeli-dranomasin'i egypta i yaveh. Mindray amin'gny rivosy mahama dra hagnefoefo gny tagnany eo amin'gny ony Eofrata izy vo hagnasaraky anazy ho sapa fito, dra ho afaky hisaky mindray amin'gny kapa zay.16Hisy lalam-be ho an'gny sisa amin'gny vahoaky ze mihery avy agny Asyria, manahaky gny nisian'zay ho an'Israely tamin'gny niakaran'ereo avy agny amin'gny tany Egypta.
Chapter 12

1Amin'zeho andro zeho dra hizaka hanao ho: "Hagnatisy fisora ho anao zaho, ry Yaveh. Fa ndre ory taminahy aza hanao, dra nivily gny fahorianao, vo nakahery anahy hanao.2Iho Zagnahary gny fagnimeza anahy, hatoky zaho vo sy hatahosy, fa Yaveh, egny , Yaveh gny herio vo hirako. Izy gny avy famoze anahy.3Amikafalia gny hanovozanao ranoavy amin'gny loharanon'gny fameza. 4Amin'zeho andro zeho gny hizakanao ho: "Magnatera fisora ho an'i Yaveh vo mitokava gny Agnarany; zakao amin'gny olo gny asany, zakao fa nasandrasy gny Agnarany."5Mihira ho an'i Yaveh, fa nanao raha be voninahisy izy; aoky ho fatasy manera gny tany zay.6Mitokava fatrasy vo mikoiha fifalia, hanao ry ponin'i Ziona, fa lahibe eo agnivonao gny ray Masin'Israely."
Chapter 13

1Fitalilia mahakasiky an'i Babylona, zay azon'Isaia zanadahin'i Amoza: 2Manangana fagneva agny antezovohisy mangalihaly, mikoiha fatrasy amin'ereo, ahofahofay amin'ereo gny tagna ndrareo so hilirany amin'gny vavahadin'ereo mana-kaza.3Fa nandidy reo masoko zaho, eka fa nitoka reo lelahy maheriko ba hagnatateraky gny fahoriako, aka ndre dra reo mibitaky am-pirengirengea aza.4Gny horakoraky gny maro an'isa agny an-tezovohisy, dra manahaky gny vahoaky maro be! Gny tabataban'gny fazaka manahaky reo firene maro tafaharo! Yaveh tompn'gny maro gny napahery gny tafiky amin'gny aly.5Avy agny amin'gny firene lavisy ereo, avy agny ami'gny faratapon'gny lagnisy. Yaveh vo reo fitova fisarany zay, ba handrava gny tany manotolo.6Midradradradra, fa atomosy gny andron'i Yaveh, ho avy mindray amin'gny fahapoteha avy amin'gny Tsitoha zay.7Noho zay dra hiraviravy gny tagnan'aby vo hivalaketraky gny fo aby.8Hihorohoro ero; ho azon'gny fahararia vo fagnirifiria ereo, manahaky gny apela miteraky. Samby ho lasa amin'ereo samby ereo ereo, sady hirehisy gny tarehiny.9Ingo, avy amin'gny fahavignira lozabe vo fahoria manafosy gny andron'i Yaveh, ba hahaavy gnyt tany ho lao vo hamotiky reo panota ao amin'zeho.10Reo kitan'gny lagnisy vo reo telo noho refy dra sy hagnome gny hazava. Gny masoandro dra ho mezy ami'gny fiposahany, sady sy hamirasy gny vola.11Hagnasazy zao totolo zao nohon'gny faharasia vo reo rasy fagnahy nohon'gny helok'ereo zaho. Hapisahasy gny fiavognavon'gny pirengirengy vo hapizesy gny fiavognavon'gny masiaky Zaho.12Hahiko keliky noho gny volamena voalio gny olo vo gny olombelo ho sarosy taliavy noho gny volamena sy mifangaron'i Ofira.13oho zay dra hahiko mihovisovisy amin'gny alalan'i Yaveh Tompon'gny lako, vo amin'gny androm-pahoriany lahibe gny lagnisy, vo hataoko miozongozo eo amin'gny toerany gny tany.14Manahaky gny gazela voahaza na manahaky gny agnondry sy misy piaraky, gny hiheregnan'gny olo kiraidraiky tamin'gny vahoakiny vo hilefany agny amin'gny taniny.15Ze hita aby dra ho faty aby , vo ze trasy aby dra ho fatin'gny mesabe.16Gny zaza madinik'ereo dra hotorotorogny amasony eo. Gny tragnon'ereo dra ho babaoy vo gny valiny ho voasaviky.17Ingo, maporisiky reo Mediana ba hanafiky an'ereo Zaho, zay sy ho voakasiky gny volafosy, na hakamamy gny volamena.18Gny sipikin'ereo handefo gny zatovony. Sy hana atra amin'gny zaza sady sy hamindra fo amin'gny zaza ereo.19Vo Babylona, gny mendri-pidera vatany amin'gny fazaka, gny famirapiratan'gny reharehan'gny Kaldeana, dra horava manahaky an'i Sodoma vo Gomora.20Sy honegna na hitoboha zay hatramin'gny taranaky faramandimby. Sy hisy Arabo hagnorin-day agny, na hisy piaraky agnondry hapandry gny agnondriny agny.21Fa reo bibidian'gny efisy gny hitoby agny. Ho feno vorondolo gny tragnon'ereo, vo ostrisa vo osilahy gny hifafihavaza ao.22Hiero agnaty ferovany ao gny kary, vo gny amboahaolo ao ami'ireo toera soasoa. Atomosy gny fotoany, vo sy tara gny androny.
Chapter 14

1Hiferegnay an'i Jakoba i Yaveh; hifily an'Israely ndraiky Izy vo hangery an'ereo amin'gny taniny ao. Hikamba amin'ereo gny vahiny vo hapifamatosy gny vatany amin'gny akohonan'i Jakoba.2Hinday anazy reo agny amin'gny toera reo firene. Dra hinday an'ereo agny amin'gny tanin'i Yaveh ho panopo lahy vo apela gny akonhonan'Israely. Hambabo reo ze fa nambabo anazy ereo, sady hanapaky reo papizaly anazy.3Amin'gny andro ze hagnomezan'i Yaveh fisahara ho an'iha ammin'gny fizalia vo gny fangirifiria, vo amin'gny asa fatrasy zay take ho tateraha-ndrareo,4dra hihira zeho hira fagnesoa ho an'gny pazakan'i Babylona zeho ndrareo ho: " Edray vita gny ammin'gny papizaly, tapisy gny fahavignira mieboebo!5Fa namotiky gny tehin'gny rasy fagnahy Yaveh, gny tehim-pazakan'reo panapaky reo,6zay namely gny vahoaky amin'gny fahasiaha amin'gny zera sy miato, zay manapaky reo firene tamim-pasiaha, tamin'gny fanafihazay sy nisahasy.7Misahasy vo mandry gny tany manotolo; manoboky makalaza amin'gny hira ereo.8Ndre dra gny hazo kypreso aza dra mifaly amin'iha mbamin'gny sederan'i Libanona, ho ereo: 'koa akory nahetry ambany hanao, dra sy nisy panapaky hazo niakasy ba hikapa anay;9Miamby fatrasy gny hisena an'iha gny Fiegna-sy hita ambany magnagny hanao. Mamoha gny maty ho zay, ry pazakan'gny tany aby, mapisanga an'ereo eo amin'gny seza fiandriagna, vo pazakan'gny firene aby.10Hizaka aby ereo aby sady hanao ami'iha ho: 'Fa avy malemy manahaky hanao.11Fa naily ho agny amin'gny fiegna-sy hita tamin'gny feom-balihan'iha gny voninahisinao. Miparitaky eo ambanin'iha gny olisy,vo mandrakosy anao gny haka!12Akory gny niazeran'iha avy agny an-dagnisy, ry kitan'gny andro, zanaky gny maray! Akory gny hanapaha an'iha amin'gny tany, hanao zay nandresy gnyn firene!13Fa nizaka aponao tao hanao ho: "Hiakasy ho agny andagnisy zaho, hanandrasy gny seza fiandrianako ambon'gny kitan'Zagnahary zaho, vo hitoby eo an-tezovohisy gny fiangona, agny amin'gny farany lavisy hny avarasy.14Hiakasy ambon'reo raho abo zaho; ahiko manahaky gny Zagnahary Abo Vatany gny tegnako.'15Kanefa nahily tagny amin'gny fiaigna-sy hita hanao, tagny amin'gny lalikin'gny lavaky.16Reo zay mahita anao dra handiniky anao dra hiteno anao ereo. Hanao ereo ho: ' Moa tahoky gny lelahy nampangitakitaky gny tany,zay napihozohozo reo fazaka, 17zay nanao zao totolo zao hanahaky gny efisy, zay nandrava reo tananan'zay vo sy nanenga reo gadrany holy?'18Gny pazaka aby eo amin'ireo firene, izy aby dra mandry amim-boninahisy,gny kiraidraiky samby amin'gny lolony ao aby.19Fe hanao dra halagny amin'gny lolonao manahaky gny rasakazo naria. Mandrakosy anao manahaky gny fekazoa gny maty, dra reo zay notrobara tamin-sabasy, zay mizoso agny amin'gny vaton'gny lavaky.20Sy halevy manahaky anazy reo hanao, akory fa namotiky gny tamin'iha vo namono gny vahoakin'iha. Gny taranaky gny panao rasy dra sy ho tognony sasy."21Omany ho an'gny zanany gny famonoan'iha, ho an'gny helok'ereo razambeny, ba sy hisanga ereo dra hangalaky gny tany vo hameno zao totolo zao amin'gny tana.22"hisanga hanohisy an'ereo Zaho"---zay gny fagnambaran'i Yaveh Tompon'gny lako. Ho foagnako hiala amin'gny Babylona gny agnara,gny ao taranaky. vo gny hare"---zay gny fagnambaran'i Yaveh.23"Hahiko ho amin'gny fanagnan'gny vorondolo ao avo koa izy, vo amin'gny dobon-drano, vo ho fafako amin'gny kifafan'gny fandringana izy"---zay gny fagnambaran'i Yaveh Tompn'gny maro.24Fa nifata Yaveh tompn'gny maro ho: "Araky gny fa nikasako vatany, gny hiseho; vo araky gny fa nikendreko dra zay gny ho izy:25Ho potehiko amin'gny tany ao gny Asyriana,vo hisahiko ambany tomboko, eo amin'reo tezovohisy izy. Dra halako hiala amin'ereo gny ziogany vo hiala eo amin''gny hatok'erao gny eta-mavesasiny."26Izay gny fikasa ze nikasay ho an'gny tany totolo, sady zay gny tagna ze fa nisandrasy ao amin'gny firenen'aby.27Fa niria an'zay Yaveh Tompon'gny lako; ia gny hahasaka Anazy? Misandrasy gny tagnany, ka ia gny hapihemosy anzay?28Tamin'gny tao ze nahafatesan'i Ahaza pazaka gny nahavian'zao fagnambara zao ho:29Ka mifaly, handrareo ry Filistiana aby, fa tapaky gny sorakazo zay namely andrareo. Fa avy amin'gny fakan'gny bibilava gny hiboahan'gny menarana, vo gny haterakiny dra ho bibilava mirehisy mitily.30Hapihina reo agnondriny eo amin'gny fihinanam-biloko gny lahimatoan'gny mahatra, vo handry amim-pilamigna gny mizaly. Hovonolo amin'gny mosary ze hahafaty gny sisa velo ami-ndrareo gny faka-ndrareo.31Midradradradra, ry vavahady, ry tana; ndrareo aby dra hiepo aby, ry Filistia. Fa avy ao avarasy gny hiavin'gny raho-setroky , vo sy miala eo an-daharany.32Koa akory gny hamalian'gny olo gny irak'izay firene zay? Fa hitan'Yaveh gny nagnory an'i Ziona, vo ao aminazy gny hahitan'gny mizaly amin'gny olony felofa.
Chapter 15

1Fagnambara mahakasiky an'i Moaba. Eka vatany, agnatin'gny hariva raiky dra foa vo potiky i Ara-moaba; eka vatany, agnatin'gny hariva raiky dra foa vo potiky i Kira-moaba.2Niakasy mho agny antepoly ereo,niakasy ho agny atapony gny olon'i Dibona ba hitomagny; mitomagny ao Nebo vo ao MKedeba i Moaba. Voiaharasy ho solagny lohan'ereo sady voatapaky gny volom-bavan'ereo aby.3Misiky lamba fandala ereo amin'gny lalan'ereo; midradradradra eo amin'gny tapo-tragno vo egny an-kiaza gny kirairaiky, ketraky gny tomagny.4Mitoka vozy i Hesbona vo Elale; re hatragny Jahaza gny feon'ereo. Ka mitoka vozy reo lelahin'i Moaba mita-pelia; matahosy agnatin'ereo ao avo ereo.5Mitomagny ho an'i Moaba gny foko; milefa ho agny Zoara vo Elgeta-selisia reo pilefa. Miakasy agny amin'gny fekaran'i Lonita am-pitomagnia ereo; midradradradra fatrasy gny amin'gny fahasimbany amin'gny lala ho agny Horonaima ereo.6risy reo ranon'i Nimrima, malazo reo ahisy vo maty reo simok'ahisy; sy misy ndre ino ndre ino meso.7Ze iaby napitobony vo navorin'ereo dra nandesin'ereo agny an-dohasahan-driakin'gny hazomalahelo.8Nagnera gny faritanin'i Moaba gny tomagny; hatragny Eglaima vo Ber-elima gny fidradradradra.9Fa feno lio gny ranon'i Dimona. Hanafiky ze tafenga avy ao Moabya vo reo sisa tavela eo amin'gny tany gny liona.
Chapter 16

1Andefaso agnomby aman'osy gny panapaky gny tany avy agny Sela agny an'efisy, hatragny amin'gny tezovohisy gny zanakapelan'i Ziona.2Manahaky reo voro pirenireny, manahaky gny akany miparitaky, ka gny valin'i Moaba dra ho ao amin'gny fintana agny amin'gny reniranon'i Arnona.3Magnomeza hevisy, apiharo gny rariny, magnomeza alokaloky manahaky gny hariva amin'gny mitavovogna; hafeno reo pilefa; ka mamadiky reo pienga.4Aoky hitoby ami-ndrareo eo ereo, ry pienga toby laha tagny Moaba; meteza ho toera fivonia ho an'ereo amin'gny pandrnga." Fa hizano gny fapahoria, vo hisahasy gny fandrava, reo ze nanosihosy dra hazavo amin'gny tany.5Hatoby amin'gny fagneke mahatoky gny seza fiandriana; vo gny raiky laha tamin'gny lain'i Davida dra hitoby ao apahatokia. Hisara manahaky gny fitaliava gny rariny izy sady hanao fahamarigna.6Nahare gny avognavon'i Moaba zahay, gny fireharehany, gny fihoa-bavany, vo gny haoriany. Fa gny fireharehany dra zaka avo.7Ka midradradradra ho an'i Moaba i Moaba_Midradradradra ereo aby! Mandala ho an'gny apepam-boalobok'i8Nihamaiky manahaky reo voalobok'i Sibma reo sahan'i Hesboma. Gny panapaky amin'gny firene dra nagnosihosy reo safidim-boaloboky zay avy hatragny Jazera vo niparitaky tagny an'efisy.Niely tegny ivelany reo sapany, nandeha manera gny ranomasy reo.9Dra hitomagny miaraky amin'i Jazera ho an'gny voalobok'i Sibma vatany zaho. Hanondraky an'iha amin'gny ranomasiko zaho, ry Hesbona, sy Elale. Fa teo amin'reo sahan'gny vihy lohatao vo gny vokasy gny namaragnako reo kiaki-pifalia.10Nala tamon'gny alan'gny hazo fihinam-boa gny fifalia vo firavoravoa, vo sy misy hira na kiaky amin'gny tanim-boaloboky ao. Sy hisy dre ia ndre ia hagnisaky divay ami'gny famiaza ao, fa nasasiko reo hiakin'gny raiky zay magnisaky.11Ka miseto manahaky gny harpa ho an'i Moaba gny foko, vo gny agnatiko ao ho an'i Kira Hareseta.12No fa mapisiky gn'ainy agny amin'gny toera abo i Moaba ka milisy gny tepoliny bo hivavaky, dra sy hahataterak ndre ino ndre ino gny vavany.13Zay gny zaka zay nozakain'i Yaveh mahakaisky an'i Moabna teo aloha.14Mizaka ndraiky Yaveh ho: " Agnatin'gny telo tao, dra hazavo gny voninahis'i Moaba, ndre dra lako aza gny olony, dra ho keliky sisa tavela sady sy hisy dikany.
Chapter 17

1Fagnambara mahakasiky an'i Damaskosy.2Hafoy reo tanan'i Aroera. Ho toera handrian'gny biby teza reo, sady sy hisy hapitahosy an'ereo.3hazavo sy ho ao i Efraima, gny fazaka avy agny Damaskosy, vo gny sisa tavelan'i arama reo tana voaaro---hanahaky gny voninahisy gny vahoakin'Israely reo---zay gny fagnambaran'i Yaveh tompn'gny lako4Vo amin'zeho andro zeho dra hasaiky gny voninahis'i Jakoba, vo hazary hahia gny fahatevezan'gny nofony.5Hanahaky gny amin'gny fanangonan'gny piziza gny vary antahony zay, vo gny sandriny miziza gny salohim-bary.Hanahaky gny amin'gny fagnotazan'gny olo raiky gny salohim-bary egny amin'gny Lohazasan'gny Refaima zay.6Hisy sisa vaovory ho tavela, fe, hanahaky gny amin'gny fihozongozognan'gny hazon'oliva: misy oliva ro na telo eo amin'gny rasany ambany indrindra, efasy na dimy eo amin'gny sapany abo inbrindra amin'gny hazo mamoa ---zay gny fagnambaran'i Yaveh, Zagnaharin'Israely. 7Aminzeho andro zeho dra hitoliky amin'gny pahary anazy gny olo, vo gny masony gny raiky Maisn'Israely.8Sy hagnety gny alitara ereo, zay asan'gny tagnan'ereo, na hagnetyze nataon'gny rasa-tagnany, dra gny baon'Aseraha ndre reo sary masoandro. 9Amin'zeho andro zeho dra hanahaky gny bao hazo nafo egny amin'gny tezon'gny havoa gny tana fatrasy orin'ereo, zay nafo noho reo vahoakin'Israely vo hazary ho lao zay.10Fa nagnaligno gny Zagnahariny gny famozendrareo handrareo, vo nodia-ndrareo fany gny vatolapin'gny herindrareo. Koa mamboly raha misiry soasoa handrareo, sady mametraky tahom-boaloboky voaray avy tamin'gny vahiny,11amin'gny andro hambolendrareo, vo hamefendrareo, vo hapisiriandrareo. Sy ho ele dra hisiry gny vihindrareo, fe sy hahavagno gny voakasindrareo amin'gny andreo fahoria vo alahelo fatrasy.12Loza! Gny kotaban'gny olo maro, zay miero manahaky gny fieron'gny ranomasy, vo gny fisafoaky gny firene, zay mifaoky manahaky gny fipaokin'gny rano mahery!13Hiero manahaky gny fipoakin'gny rano maro reo firene, fe ho vignisy andreo fatrasy Zagnahary. Hilefa lavisy ereo vo haza manahaky gny ahi-drasy siofin'gny rivosy egny amin'gny tezovohisy, sady manahaky gny ahi-drasy ahodikodin'gny tafio.14Amin'gny hariva, ingo, gny horohoro! Mialohan'gny maraindray ddra ho dify reo! Izay gny azaran'ereo zay mambabo asika, gny amboaran'ereo zay mandrobaky asika.
Chapter 18

1Loza ho an'gny tanin'gny fibisibisik'gny elasy, ze mindray amin'ireo onin'gny Etopia;2zay mandefa masoivoho amin'gny ranomasy, ao agnaty fanaky taratasy papirosy egny amin'gny rano. Mandehana, handrareo ry iraky malaky fandehana, agny amin'gny firene abo vo malama, agny amin'gny olo matahosy lavisy vo mariny, firene matazaky vo magnosihosy, ze nozarain'gny ony gny taniny.3Handrareo poninaby eto amin'izao totolo izao vo handrareo ze monina eto atany aby,no fa nienga eo atapon-tezovohisy gny fanaira, magnatia, vo no fa sofy gny asiva, mitenoa.4Zao gny zinakan'i Yaveh taminahy: " Handiniky moramora laha tamin'gny tragnoko egny Zaho, manahaky gny fipoakin'gny hafana egny amin'gny masoandro, manahaky gny zavon'gny raho amin'gny hafanan'gny fiziza.5Mialohan'gny fiziza,no fa tapisy gny famelany, vo gny vihinkazo dra mamoa ho voaloboky,handrasa reovogniny amin'gny fagnetezam-boaloboky izay, vo ho tapainy vo ho andesiny reo rasa voaely.6Hanga ho an'gny voron'gny tezovohisy vo reo biby egny ambon'gny tany koa ereo. Handany gny fahavarasy amin'ereo gny voro,vo reo biby managn'ay any dra handany gny ririny amin'ereo."7Amin'zeho fotoa zeho dra hisy fagnomezam-boninahisy an'i Yaveh Tompon'gny maro boak'amin'ereo vahoaky abo saby malama, boak'amin'ereo vahoaky natahosy alavisy vo mariny, firene matazaky vo voahisaky, ereo ze nosarahin'gny ony gny taniny,ao amin'gny toeran'gny agnaran'i Yaveh Tompon'gny maro, hatragny amin'gny tezovohisy Ziona.
Chapter 19

1Fitalilia mahakasiky an'i Egypta. Ingo, Yaveh mitikisy raho malaky fandehana dra ho avy agny Egypta; mihovisovisy eo agnatrehany reo sapin'i Egypta, vo dra mihavalaky agnaty gny fon'ereo Egyptiana.2" Haporisihiko hialy ereo Egyptiana smby Egyptiana: lelehy raiky hialy amin'gny rahalahiny, vo lelahy raiky hanohisy gny namany; tana hanohisy tana, vo fazaka hanohisy fazaka.3ho ketraky agnaty gny fagnahin'i Egypta. Ho potehiko gny toroheviny, ndre dra gny hevis'ereo sapy, vo fagnahin'olo maty, vo pahita gny ho avy, vo gny panao sikily aza ereo.4Hatoloso eo atagnan'gny topo masiaky reo Egyptiana, vo pazaka matazaky gny hanapaky eo amin'ereo_zay gny fitalilian'i Tompo Yaveh Tompon'gny maro."5Ho risy gny ranon'gny ranomasy, sady ho risy gny ony dra ho foa.6Hazary maloto reo renirano; hihe gny riak'i Egypta dra ho risy; gny vlotara vo gn zozoro halazo.7Reo volotara amoron'gny Neily, amoron'gny vavan'i Neily' vo reo tanim-bolin'i Neily aby dra ho kina, hizary bony, dra ho voasoaky.8Hidradradradra sady handala ereo pamita, vo ze iaby nanoraky gny fitany ao amin'i Neily handala,vo halahelo ze mamelasy gny haratony ao amin'gny rano.9Reo piasa amin'gny bangon-drongony vo ze magneno lamba hiova ho hasasy.10Ho voatorotoro ereo panao lamban'i Egypta; halahelo agnaty ereo aby miasa amin'gny fikarama11Adala tateraky ereo andrian'i Ziona. Gny torohevis'ereo panolosay hendry faratapon'i farao miova ho sy misy dikany. Ino gny hizakan'iha amin'i farao ho: " Zaho gny zanadahin'ereo olon-kendry, zanaky pazaka taloha?"12Ko eza se ze olon-kendrin'iha eo? Aoky ereo hizaka amin'iha dra hapahafatasy ze kasan'i yaveh Topon'gny maro mahakasiky an'i Egypta.13Fa mola gny andrian'i Ziona, voafitaky reo andrian'i memfis; fa nanao an'i Egypta handeha amin'gny lalan-diso ereo, zay fehizoron'gny fokony.14Yaveh fa napifangaro fagnahin'gny fafandrorota teo agnivony, sady ereo fa nitariky an'i Egypta tamin'gny lala sy izy amin'ze ahiny aby, manahaky gny mamo mivembe amin'gny naloany.15Sy misy ndre ino ndre ino azon'gny olo ahy sasy ho an'i Egypta, ndre gny loha ndre gny rambo, ndre gny rasa-drofia ndre gny volotara.16Amin'zeho andro zeho, ereo Egyptiana hanahaky gny apela. Hihorohoro vo hatahosy ereo noho gny fisosndrosy gny tagnan'i Yaveh Tpopn'gny maro zayasangany eo amin'ereo.17Hazary ho aton'gny fivemben'i Egypta gny tanin'i Joda.ndre ombia ndre ombia gny misy olo hapasiahy andreo Anazy, dra hatahosy ereo, noho gny fikasan'i Yaveh, zay rafetiny hanohisy andreo.18Amin'zeho andro zeho dra hisy tana ao amin'gny tany Egypta zay hizaka gny fizakan'i Kanan vo hifata fakatoava amin'i Yaveh Topon'gny maro. Raiky amin'ireo tana reo ho tokavy ho Gny Tanan'gny Masoandro.19Aminzeho andro zeho dra hisy alitara ho an'i Yaveh eo agnivon'gny tany Egypta, vo sangam-bato ho an'i Yaveh eo amin'gny ilany.20Zay dra ho famatara vo vavolombelo ho an'i Yaveh Topon'gny maro ao amin'gny tany Egypta. No fa mitomagny an'i Yaveh noho ero papizaly ereo, dra handefa pagnavosy vo piaro ho andreo Izy, sady hagnafaky andreo.21Hazary fatasin'i Egypta i Yaveh, sady hahay an'i Yaveh reo Egyptiana amin'zay andro zay. Hanopo amin'gny soro vo fagnatisy ereo, vo hanao voady vo fagnatisy amin'i Yaveh ereo dra hagnatateraky reo.22Hapizaly an'i Egypta i Yaveh, Mapizaly vo magnasitra. Hihery amin'i Yaveh ereo; hiteno gny vavak'ereo Izy dra hagnasitra andreo.23Amin'zeho andro zeho dra hisy lalam-be hatragny Egypta ka hatragny Asyria, dra ho avy agny Egypta gny Asyriana, vo gny Egyptiana agny Asyria; vo hanopo minddray amin'ereo Asyriana ereo Egyptiana.24Amin'zeho andro zeho, Israely gny ho fahatelo amin'i Egypta vo Asyria, fitahia raiky eo agnivon'gny tany;25hitahy andreo Yaveh Topon'gny maro dra hizaka ho: " Hotahy ane Egypta, vahoakiko; iAsyria, asan'gny tagnako; vo Israely, lovako."
Chapter 20

1Tamin'gny tao nahavian'i Trtana tao Asdoda, no fa nagniraky anazy i Sargona pazakan'i Asyria, dra nialy tamin'i Asdoda izy vo nangalaky anizay.2Tamin'zay fotoa zay i yaveh dra niresaky tamin'i Isaia zanadahin'i Amoza sady nizaka ho: " Mandehana dra alao gny lamba fandala egny amin'gny andilanao vo gny kapa egny atombonao." Dra nahiny zay, nandeha sy misiky vo sy nagnisy kapa.3Ho Yaveh ho: " Manahaky gny nandehan'Isaia sy misiky vo sy nagnisy kapa nandrisy gny telo tao, dra famatara vo talily mahakasiky an'i Egypta vo mahakasiky an'i Etiopia zay---4amin'zeho fomba zeho gny hitarihan'gny pazakan'i Asyria reo bobon'i Egypta, vo reo sesi-tanin'i Etiopia, tanora vo antisy, sy misiky vo sy magniky kapa, vo mindray amin'gny vody sy miarakosy, ho amin'gny fahamegnaran'i Egypta.5Hatahosy vo ho magnasy ereo, akory nalain'i Etiopia gny fagnatenan'ereo vo nalan'i Egypta gny voninahis'ereo.6Amin'zeho andro zeho gny ponin'reo sisin-tany reo dra hizaka ho: 'Loharanon'gny fagnatenanay vatany zay, zay nilefanay ba hitalia fagnapia voaavosy amin'gny pazakan'i Asyria, vo amizao, akory gny ahafahanay milefa?"'
Chapter 21

1Fitalilia mahakasikin'gny tany efisy amoron-dranomasy. Manahaky gny tadio mamakivaky an'i Negeva gny hiavian'zay mandalo boak'agny agn'efisy, boak'agny amin'gny tany loza.2Fahitana mapasiaky gny name anahy: gny lelehy pamitaky dra namitaky, vo gny pandrava dra nandrava. Mekara dra sikino, ry Elama; ahivo fahirano, ry Mediana; hapisahasy gny tarainy aby Zaho.3Noho zay dra feno fanaitaigna gny valahako; fanaitaigna manahaky gny fanaitagnan'gny apela miteraky gny namatosy anahy; niondriky noho gny raha reko zaho.4Torotoro gny foko, mangovisy gny tahosy zaho. Gny hariva, fotoa akafiziko agnatin'gny andro, dra ninday horohoro ho anahy.5Nagnoma gny latabasy ereo, novelarin'ereo gny lamba firakosy dra nihina vo nino; misangana, ry andriandahy, osory dililo gny apingandrareo.6Fa zao gny nozakan'gny Tompo taminahy ho: " Mandehana, mametraky lelehy piamby raiky; sy maisy mitatisy ze hitany izy.7No fa mahita kalesy, pitikisy sovaly ro, pitikisy boriky, vo pitikisy kamela izy, dra tokony handiniky vo ho mahirasirasy."8Nitaray gny lelahy piamby ho: "Ry Tompo, teo amin'gny tilikambo fiambena zaho dra nizoro nadrisy gny raiky andro totolo, isan'andro, vo teo amin'gny toera-pitiliko gny nizoroko nandrisy gny hariva manotolo."9Ingo tamin'gny kalesy raiky mindray amin'gny lelahy raiky vo pitikisy sovaly ro. Nitoka mafy isy nanao ho: " Fa rava Babylona, rava, vo reo sary vongan'gny zagnahariny aby dra potiky amin'gny tany."10Ry nivelesy vo nisivagniko, zanaky gny tragno fandisanam-bariko! Ze reko tamin'i Yaveh Topon'gny maro, gny Zagnaharin'Israely, fa nambarako tamindrareo.11Fitalilia momban'i Edoma. Nisy raiky nitoka anahy boak'agny Seira ho: " Ry piamby, ombia gny hitaperany gny hariva? Ry piamby, ombia gny hitaperany gny hariva?12Ho gny piamby ho: " Ho avy gny maray vo gny hariva avo koa. No magniry gny anontany hanao, dra magnotania; vo miheregna ndraiky."13Fitalilia momban'i Arabia. Agny amin'gny tany efis'i Arabia gny andaniandrareo gny hariva, ry andian-Dedanita.14Mandesa rano ho an'gny mangetaheta; ry ponina ao amin'gny tanin'i Tema, senao amin'gny mofo reo pisoha-ponegna.15Fa ereo dra nilefa gny mesa, tamin'gny mesa voarendriky, tamin'gny sipiky voahenza, vo tamin'gny vesasy gny aly.16Fa zao gny nizakan'i Tompo taminahy ho: " Agnatin'gny tao raiky, manahaky gny hitan'gny piasa tany nokaramay mandrisy gny tao, dra hifara gny voninahis'i Kedara aby.17Pandefa sipiky, lelahy pialin'i Kedara keliky sisa gny ho tavela," akory Yaveh, gny Zagnaharin'Israely, gny fa nizaka.
Chapter 22

1Fitalilia mahakasiky gny Lohasahan'gny Fahitana: Ino gny atony nandehanandrareo aby ho agny amin'reo tapon-tragno?2Gny bo haharezandrareo gny tana fena tabataba se, tana ze feno firavoravoa? Gny maty eo amin'iha dra sy matin'gny mesa, sady sy maty tamin'gny aly ereo.3Ereo panapaky an'iha aby nindray nilefa, fa voababo sy napiasa zana-sipiky ereo; ereo aby dra nindray voababo, ndre dra nilefa lavisy aza ereo.4Noho zay dra ho zaho ho: " Ka magnety anahy, fa hitomagny fatrasy dra fatrasy zaho; ka miezaky gny hapiono anahy mahakasiky gny faharavan'gny zanakapelan'gny oloko."5Fa misy gny andron'gny tabataba, fagnosihosia, vo fifazevoa ho an'gny Topo Yaveh Topon'gny maro, ao amin'gny Lohasaha'gny Fahitana, faharavan'reo fefy, vo gny olo mitokatoka fatrasy agny amin'reo tezovohisy.6Elama nangalaky gny tragno zana sipiky, nindray tamin'gny kalesan'ireo lelahy vo reo pitikisy sovaly vo Kira nangalaky gny fonon'gny apinga,7Fa reo lohasaha ze nifilinao vatany dra ho feno kalesy, vo reo piikisy sovaly dra hangalaky gny toerany eo am-bavahady.8Nangalaky gny fiarovan'i Joda Izy; vo tamin'zay andro zay hanao dra nagnety reo fitova-pialia eo amin'gny Lapan'gny ala.9Nahita gny bangan'gny tanan'i Davida ndrareo, fa maro reo,vo namory gny ranon'gny dobo ambany ndrareo.10Nagnisa gny akohonan'i Jerosalema ndrareo, vo nandroda reo tragno ba hagnamafisa gny fefy.11Namboasy fitahiriza teo agnelagnelan'reo fefy ro ndrareo ho an'gny ranon'gny dobo tranainy. Fa sy bo nihevisy gny pamoro gny tana ndrareo, zay nagmoma anizay fa ela.12Tamin'izay andro zay gny Tompo Yaveh Tompon'gny maro nitoka fitomagnia, fandala, fiaratan-doha, vo fanaova akazo fandala.13Fa ingo, kosa, gny fankalaza vo gny fifalia, gny famonoan'agnomby vo gny famonon'agnondry, fihinan-kena vo finoma divay, aoky sika hino vo hihina, fa ho faty sika hamaray.14Zao gny nizakan'i Yaveh Tompon'gny maro teo asofiko: " Eka vatany fa sy havela zay helokareo zay, eka fa ndre dra ho faty aza ndrareo," ho gny Tompo Yaveh Tompon'gny maro.15Gny Tompo Yaveh Tompon'gny maro, nizaka anizao: " Mandehana magnagny amin'gny pitandrin-draharaha, agny amin'i Sebna, zay manapaky gny tragno, vo zakao ho:16" Ino gny ahinao eto sady ia gny nagnomia alala anao handavaky lolo ho an'gny vatanao, hamboasy lolo egny ambony vo handavaky toera fizanogna egny amin'gny toera fizanogna egny amin'gny vatolapy?"'17Ingo, Yaveh fa hazera anao, lelahy mahery, hazera anao ambany, hagnisakisaky anao fatrasy vatany Izy.18Hagnakodiadia anao vatany Izy, sady hapisavoaravoara anao hanahaky gny laboly magnagny amin'gny tany malalaky. Agny gny hahafatesanao,vo ho agny koa reo kalesin'gny voninahisinao;hazary hegnasy ho an'gny tompon'gny tragnonao hanao!19" Ho roahiko hiala eo amin'gny raharahanao vo toeranao hanao. Haonga hanao.20Aminzeho andro zeho ZAho dra hitoka an'i Eliakima panopoko zanadahin'i Hilkia.21Hapiakazoako amin'gny akazo lavanao izy vo hasiako gny fehim-kibonao, vo hafindrako ho eo atagnany gny fahefanao. Ho ran'gny ponin'gny Jerosalema vo gny akohonan'gny Joda izy.22Hatobiko eo asorongony gny fagnalahilin'gny akohonan'gny Davida; hamoha izy, sady sy hisy hagnily, hagnily izy, vo sy hisy hamoha.23Hapitobohiko izy, manahaky gny ketoky amin'gny toera azo atoky, sady hazary toeram-boninahisy ho an'gny akohonan-drany izy.24Hahaton'ereo aminazy gny voninahisy gny akohonan-drany aby, gny zanany vo reo tarakiny, gny fanaky madiniky aby boak'amin'ireo kapoaky hatramin'gny tavoara aby.25Amin'zeho andro zeho_zao gny fitalilian'i Yaveh Tompon'gny maro_dra ho ala gny ketoky amin'gny toera fatras'ory, ho potehy sady ho azera, vo gny lanza amin'zay dra ho tapahy _fa Yaveh gny nizaka.
Chapter 23

1Gny fitalilia mahakasijy an'i Tyro: Midradradradra, ndrareo ry sambon'i Tarsisy; fa sy misy ndre tragno ndre seragna; boaky tao amin'gny tanin'i Sipra gny nitalilia anizay tamin'ereo.2Misigna, ndrareo ry ponin'gny morosiraky; fa gny pivarosy ao Sidona, zay miasambo amin'gny ranomasy, dra fa nameno andrareo.3Teo ambonin'ireo rano lahibe gny nisy gny varin'i Sihora gny vokas'i Neily gny vokany;dra hizary varosy ho an'ireo firene zay.4Aoky ho megnasy, ry sidoana; fa nizaka gny ranomasy' dra gny mahery amin'gny ranomasy. Ho izy: " Sy bo nihesi-zaza zaho na niteraky, na nananga zatovolahy na niteza zatovovavy."5Ka no fa avy agny Egypta gny tatisy, dra halahelo mahakasiky an'i Tyro ereo.6Misakia an'i Tarsisy; midradradradra, ndrareo ry ponin'gny morosiraky.7Moa se nisy atminao zay, ry tana ravoravo, zay boak'amin'ireo fotoa taloha gny nipoirany, zay nandesin'gny tombony lavisy agny amin'reo toera vahiny bo htoerany?8Ia gny nikasa ze hagnoregna an'i Tyro, gny pagnomia reo zatro-boninahisy, gny pivarosy dra andrian-dahy, gny panakalo dra reo olo manam-boninahisy amin'gny tany?9Yaveh Tompon'gny maro fa nikasa anizay hangala baraka gny fiavognavonany vo gny voninahiny aby, bo hapamegnasy reo olo manam-boninahisy aby amin'gny tany.10Asao gny taninao, manahaky gny iasan'gny olo an'i Neily, ry zanakapelan'i Tarsisy. Sy misy sena sasy ao Tarsisy.11Fa nanizisy gny tagnany teo ambonin'gny ranomasy Yaveh, sady fa nangozongozo reo fazaka izy; fa nagnomia baiko nahakasiky an'i Fenisia, bo handrava reo fiarovanao fatrasy Izy.12Ho Izy: " Sy hifaly sasy hanao,ry virijiny ory zanakapelan'i Sidona; misangana; misakia ho agny Sipra; fe ndre dra agny aza dra sy hana-pisahhara hanao."13Atio gny tanin'i Kaldeana. fa sy nisy zasy reo vahoaky tao; fa nanao anizay ho efisy ho an'ireo bibidia reo Asyriana. Fa nananga reo tilikambony ereo; noravany reo lapan'izay; nataony ho atotam-paharava zay.14Midradradradra, handrareo ry sambon'i Tarsisy; fa nirava gny felofandrareo.15Amin'zeho andro zeho, dra ho aligno mandrisy gny fito tao i Tyro, manahaky reo andron'gny pazaka. Afarangny faran'gny fito tao dra hisy raha manahaky gny ao amin'gny hiran'gny pizangazanga hisy ao Tyro.16Mangala harpa, mandehandeha agny amin'gny tana, hanao ry pizangazanga nihalongoy; tendreo soa zay, mihira hira maro, ba ho saroa hanao.17Vo afarn'gny fito tao, dra hamozy an'i Tyro Yaveh, dra hanomboky hitalia vola amin'gny fanaova gny asan'gny pizangazanga ndraiky izy,sady hiasa ho an'gny fazakan'gny tany aby.18Hatoka ho an'i Yaveh gny tombonu vo gny fanagnany. Sy ho tehirizy na ho avory ao amin'gny firaketa reo, fa gny tombony dra hame reo ze mitoesy eo amin'gny fagnatrehan'i Yaveh vo apesay ba hamasy andreo amin'gny hany tondraky vo ba ahafahan'ereo mahazo gny akazo soa kalitao faratapony.
Chapter 24

1Ingo, hagnafoa gny tany Yaveh, handrava anizay, hahalao anazy vo hapiely reo poniny.2Ho sahala amin'izay gny ho an'ireo poniny, gny pisoro; gny panopo, gny topony, piasa atragno; gny topovaviny, gny pivily, gny pivarosy; gny pagnomia trosa, gny pitrosa; gny pandray zanabola, vo pagnomia zanabola.3Ho rava tateraky gny tany sady ho foagna tateraky; akory Yaveh gny fa nizaka zay zaka zay.4Maiky vo malazo gny tany, milofoky vo malazo zao totolo zao, mihaosa gny olo malazan'gny tany.5Niloton'gny poniny gny tany akory fa nandika gny lalana, nagnota gny lily, sady nivaliky tamin'gny fagneke maharisy mandrakizay ereo.6Noho zay dra mandevo gny tany gny ozo, sady diso reo poniny. Ma reo ponin'gny tany, vo visy gny sisa tavela.7Maiky reo divay vaovao, malazo gny voaloboky, miseto aby reo faly am-po.8Misahasy gny feo mandrosirosin'gny apongatapaky, vo gny fitabataban'ereo mifaly; misahasy gny fifalia amin-dokanga.9Sy mino divay na mihira sasy ereo, vo gny toaky dra nafaisy ho an'ereo ze nino anizay.10v10 Rava gny tanan'gny fikorotagna, mihily sady foa aby reo tragno aby.11Misy tabataba nohon'gny divay egny an-dalambe; mezy gny haravoa, nazavo gny fifalia.12Faharava sisa gny eo amin'gny tana, vo gny vavahady dra potiky.13Fa sahala aminzay gny ho amin'gny tany aby eo amin'gny firene, manahaky gny hazo oliva voazera, manahaky gny fisiponam-boaloboky no fa vita gny fiotaza.14Handrasy gny feony sady hitoka gny voninahisin'Agnahary, vo hihiaky apifalia boak'amin'gny ranomasy ereo.15Noho zay dra makalaza an'i Yaveh agny asignana, magnomeza voninahisy gny agnaran'i Yaveh, gny Zagnaharin'Israely ao amin'ireo nosy.16Hatragny aparan'gny tany gny naharezanay hira ho: " Voninahisy ane ho an'gny mary!" Fa ho zaho ho: " Fa nihaosa zaho, fa nihaosa zaho, mbakany! Gny pamitaky dra ninday apitaky; eka, gny pamitaky dra vatany ninday apitaky vatany."17Amindrareo gny tahosy, gny lavaky, vo gny fandrky, ry ponin'gny tany.18Izy ze nilefa gny feon'gny fapihorohoroa dra ho lasaky ao an-davaky, vo izy ze miakasy boak'o an-davaky dra ho azon'gny fandriky. Hisokasy gny vatragnaran'gny lagnisy, vo reo fagnorenan'gny tany dra hiozongozo.19Ho rava tateraky gny tany, hitresaky gny tany; hiozongozo fatrasy gny tany.20Hivembe manahaky gny olo mamo gny tany sady hisingeva manahaky gny tragno bongo zay. Hivesasy amin'izay gny fahotany dra ho lavo zay dra sy hiary sasy.21Vo amin'zeho andro zeho dra hagnasazy gny miaramilan'gny abo agnabo, vo reo pazakan'gny tany etany etihoky i Yaveh.22Haharo ereo, gadra ao an-davaky, vo hisy ao apoza; vo afaky andro maromaro dra ho voasazy ereo.23Vo dra ho megnasy gny vola, sady ho afa-baraka gny masoandro, akory hazaka amin-boninahisy ao atezovohis'i Ziona vo ao Jerosalema, vo manoloa reo zokiolony i Yaveh tompon'gny lako.
Chapter 25

1Ry Yaveh, Zagnahariko hanao, hanondrosy anao Zaho, hisiriry gny agnaranao zaho, fa nanao raha-mahalasa hanao, raha fa nomagny ela, apatokisa tateraky.2Fa nataonao ho korotam-bato gny tana, vo gny tana voaro fatrasy, ho faharava, vo gny ferova fatrasy reo vahiny sy ho tana.3Ka dra hagnomia voninahisy anao reo olo mahery; hatahosy anao gny tanan'gny reo firene masiaky.4Fa fitoboha ferova ho an'gny olo mahatra, felofa ho an'ze ory ao amin'gny fahoriany_felofe amin'gny tafio-drivosy vo alokaloky amin'gny hafana. Naho manahaky gny tafio-ddrivosy hanohisy gny rindry gny fofonain'ireo masiaky,5vo manahaky gny hafana amin'gny tany maiky, gny nandresenao gny tabataban'ereo vahiny , manahaky gny haresen'gny aloky gny raho gny hafana dra manahaky anizay koa gny hamalia gny hiran'ireo masiaky.6Eto amy tiky tezovohisy tiky gny hanaovan'i Yaveh Tompon'gny lako fanasa amin'ireo raha matavy, amin'gny divay maro karazany, amin'gny laoky be soky, fanasa amin'gny divay fa niotriky ela ho an'gny vahoaky aby.7Horavay eto amy tiky tezovohisy tiky gny fandrakofa eo amin'gny vahoaky aby, gny tragnokala tenona eo amin'gny firenen'aby.8Hateliny mandrakizay gny fahafatesa, vo Yaveh Tompo hamafa gny ranomaso amin'gny tarehy aby, hoala amin'gny tany aby gny fahafaham-barakan'gny olony, fa Yaveh gny fa nizaka anizay.9Vo ho zakako amin'izay andro zay ho: " Ingo, tihoky gn Zagnaharisika; fa nandigny Anazy sika, vo Izy hamozy asika. Izy gny Yaveh, fa nandigny anazy sika, hifaly vo hiravo amin'gny famozeny sika."10 Fa eto amy tiky tezovohisy tiky gny hizaharan'gny tagnan'i Yaveh; vo Moaba ho voahisakisaky amin'gny toerany, ndra dra voahisakisaky ao an-davaky feno zeziky aza gny maloto.11Namelasy gny tagnan'ereo teo agnivon'izay ereo, manahaky gny famelasy gny pisihagny tagnany no fa misiha. Fa Yaveh hapizesy gny avognavon'ereo ndre dra eo aza gny halakin'gny tagnan'ereo.12Gny fefy abo ferovanao dra hazesiny amin'gny tany, ho eo amin'gny vovoky.
Chapter 26

1Amin'zay andro zay tiky hira tiky gny hiray gny amin'gny tanin'gny Joda: mana tana fatrasy zahay; Zagnahary fa nanao gny famoze ho rindrin'zay vo tovon-tany ferova.2Voaho gny vavahady, bo ahafahan'gny firene mary ze mita finoa milisy ao.3Gny say ze mitoesy ao aminao, hotehirinao amin'gny fiadagna tateraky izy, akory mitoky aminao;4matokia an'i Yaveh mandrakariva; fa ao amin'i Yah, Yaveh, gny vatolapy sy mana-pahatapera.5fa hapizesy reo ze miay amim-piavognavogna Izy; gny tana mifefy harodany.Harodany amin'gny tany; fisahany egny amin'gny vovoky zay.6Ho voahisaky gny tombony gny mahatra vo gny lian'gny ory zay.7Voaravo gny lalan'gny olo-mary, Gny Mary, ahisinao gny lalan'gny mary.8Eka, amin'gny lalan'gny fisaranao, ry Yaveh, gny andignasanay Anao; gny Agnaranao vo gny lazanao gny fagnirianay.9 Many Anao zaho no hariva; eka, mitalia Anao fatrasy gny fagnahy ato aminahy. Fa no fa avy etiky ambon'gny tany gny fisaranao, dra hahay gny fahamarigna gny ponin'gny tany.10Aoky haseho amin'gny rasy fagnahy gny sitraky, fa sy hahay gny fahamarigna zay izy. Agny amin'gny tanin'gny fahisia gny hanehoanay faharasia ka sy mahita gny voninahis'i yaveh.11Ry Yaveh, misondrosy tagnanao fe sy sikaris'ereo zay. Fe ho hitan'ereo gny zotp-ponao amin'gny vahoaky ka hala baraka, akory handevo andreo gny afon'ereo pifanigna aminao.12Ry Yaveh, hinday fiadagna ho anay Hanao; akory fa, nahavita reo asanay ho anao Hanao.13Ry Yaveh Zagnaharinay, tompo hafa maro ankoasy Anao gny fa nanapaky teo aminay; fe gny agnarano raiky avo gny siriritinay.14Maty ereo, fa sy bo ho velo; nodimandry ereo, fa sy bo hisanga. Avy tamin'gny fisara vatany Hanao sady handripaky anazy regny, ka hagnafoa gny fahasiarova andreo aby.15Fa napitombo gny firene Hanao, ry Yaveh, fa napitombo gny firene Hanao; fa nagnitasy reo farisy gny tany aby Hanao.16Ry Yaveh, tamin'gny horohoro gny nagnitian'ereo Anao; nibisiky vavaky ereo no fa tao amin'ereo gny fagnanaranao.17Manahaky gny apela bevoka mariny andro hiteraha, amin'gny fotoa mapihesi-zaza anazy dra mitaray amin'gny fiteraha, dra manahaky anizay koa zahay eo agnolonao, ry Tompo.18Fa ninday vohoky zahay, fa nihesi-zaza zahay, fe zay dra manahaky gny miteraky rivosy avo. Bo sy ninday famoze tamin'gny tany zahay, vo bo sy potraky reo ponin'gny tany.19 Hisanga gny maty ao amiano; hisanga gny fatin'ereo. HIfoha ka hihira fifalia, hanao ze mitoesy amin'gny vovoky; fa gny andonao dra andom-pahazava, vo gny tany hinday mihoasy efasy heny reo maty aminazy ao.20Mandehana, ry vahoakiko, milira agny an'efitragnonao, ka hilio reo vatrangarandrareo; mivonia ao agnatin'gny fotoa visy, mandra-pahalasan'gny fahasosora.21Fa, ingo, fa hiala avy ao amin'gny toerany ba hagnasazy gny ponin'gny tany noho gny helok'ereo Yaveh; hapiharihary gny fandasahan-diony gny tany, vo sy hagnavony gny faty ao aminazy sasy.
Chapter 27

1Amin'zay andro zay Yaveh dra hagnafay gny Levitiana menara sy misy dikany, amin'gny mesany fatrasy, labibe sady masiaky, gny menara mitambolombolo, vo hamono gny biby mapatahosy ze agnaty ranomasy ao.2Amin'zay andro zay: gny tanim-boalobokin'gny divay: hihira gny amin'zay.3" Zaho, Yaveh, Zaho gny piaro anizay; manondraky anizay matetiky Zaho. Miamby anizay andro vo hariva Zaho ka sy hisy afaky hanimba anizay.4Eh, sy masiaky zaho, ndre nisy ahisy vo silo aza! Handeha hanohisy andreo amin'gny aly Zaho. Horoako miaraky ereo;5no sy ho mifikisy amin'gny ferovako ereo vo mihava Aminahy; aoky ereo hihava Aminahy.6Amin'gny andro ho avy, dra hangalaky faka i Jakoba; hamony vo hisimoky Israely; vo hameno gny velaran-tany amin'gny vihiny ereo.7Moa namely an'i Jakoba vo Israely manahaky gny namelezany reo firene ze namely andreo se Yaveh? Moa se nivono manahaky gny famonoa reo firene ze nivonon'ereo i Jakoba vo Israely?8Amin'gny refy mary ze fa nalahasinao, nandroaha an'i Israely vo Jakoba; nandesiny tagny alavisy miaraky amin'gny rivo-maheriny ereo, tamin'gny andron'gny rivosy asignana.9Ka noho zay, ho voahonisy amin'zay gny helok'i Jakoba, fa zao gny ho vokasy feno tamin'gny nangala gny otany: no fa hanao reo alitara vato manahaky gny saoky ze voatorotoro izy, vo sy hisy hitoesy hisanga gny baon'Aseraha na reo alitaran'gny ditin-kazo magnisy.10Fa gny tana namafisy dra ho lao, gny fonegna dra ho ngaza sady hafoy manahaky gny efisy. Ao gny hamahana gny zanak'agnomby, vo ao gny handriany vo handevognany reo rasany.11No fa malazo reo sapany, dra hotapahy reo. Ho avy gny apela dr handehisy afo amy reo, fa sy olon'gny fahazan-say tiky. Koa, sy hana fangoraham-po amin'ereo gny Mpahary anazy, vo ze nanao anazy dra sy hana famindram-po amin'ereo.12Amin'zay andro zay dra hisy fapihisagna boak'agny amin'gny reniranon'i Efrata ka hatragny amin'gny lohasaha-driakin'i Egypta ze hataonao Yaveh, ry vahoakin'Israely, dra havory hiaraky kiraidraiky.13Amin'zay andro zay, dra ho sofy gny asiva lahibe; vo ho avy ze rava boak'agny amin'gny tanin'i Asyria, vo ze voaroaky tamin'gny tanin'i Egypta, hagnomia voninahisy an'i Yaveh egny an-tezovohisy masy agny Jerosalema.
Chapter 28

1Lozan'gny satro-boninahisy vonikazo zay ireharehan'gny mamo lavo ao Efraima, vo gny vonikazo malazon'gny hasoany be voninahisy, gny satro-boninahisy ze apetraky eo an-dohan'gny lohasaha maiso mavan'reo ze resin'gny divay!2Ingo, gny Tompo dra mandefa ze lahibe vo matazaky; manahaky gny tafio-drivos'avandra vo tafio-drivosy mandrava, manahaky gny ora mitariky vo rano manafosy; vo hagnary gny satro-boninahisy vonikazo kiraidraiky ho amin'gny tany Izy.3Ho hisakisahy ambany tomboky gny vonikazo reharehan'ereo mamo lavan'i Efraima.4Gny vonikazo malazon'gny hasoany be voninahisy, ze eo an-dohan'gny lohasaha lonaky, dra hanahaky gny aviavy mialy tao alohan'gny fahavarasy, ze, no fa hitan'gny olo zay, no eo an-tagnany zay, dra arapany.5Amin'zay andro zay Yaveh Tompn'gny maro dra hazary satro-boninahisy soa tarehy vo diademan'gny hasoany ho an'reo sisa tavela amin'gny vahoakiny.6fagnahin'gny rariny ho anazy ze mitoboky amin'gny fisara, vo hery ho an'ireo ze mapihery reo fahavalony eo am-bavahadin'ereo.7Fa ndre dra reo aza dra midoladola amin'gny divay, sady mivembe amin'gny raha finomy mahery, vo atelin'gny divay ereo. Mivembe amin'gny raha finomy mahery ereo, mivembe amin'gny fahita vo midoladola amin'gny fanaphan-kevisy.8Rakosy loa vatany gny latabasy aby, dra sy misy toera malio.9Amin'ia gny ho hapianarany fahalal, vo amin'ia gny hagnazavany gny hafasy? Amin'ereo ze vo nisara-nono va?10Fa baiko magnapy baiko, baiko magnapy baiko zay; fisipiky magnapy fisipiky; fisipiky magnapy fisipiky; masaiky etoky, masaiky erihoky.11Miaraky amin'gny sogny magnirasira vo fizaka vahiny vatany gny hiresahany amy tiky vahoaky tiky.12Taloha Izy ddra nizaka tamin'ereo ho: " Tihoky gny fisahara, omeo fisahara ze reraky;vo tihoky gny famelombeloma, " fa sy niteno ereo.13Koa ho baiko magnapy baiko, baiko magnapy baiko; fisispiky magnapy fisipiky, fisipiky magnapy fisispiky; masaiky etoky, masaiky erihoky ami'ereo gny zakan'i Yaveh; bo handeha ereo dra ho lavo, vo ho simba, voafandriky, dra voasambosy.14koa tenoy gny zakan'i Yaveh, ndrareo ze magnirasira, ndrareo ze manapaky amy tiky vahoaky ze ao Jerosalema tiky.15Hitranga zay akory nizaka handrareo ho: " Nanao fagneke tamin'gny fahafatesa zahay, vo nanao fifagnaraha tamin'gny Fiegna-sy hita. Ko no miriosy eo gny karavasy manafosy, dra sy hahazo asika zay. Akory sika nanao gny vandy ho arosika, vo gny fitaky ho fiheresika."16Noho zay Tompo Yaveh dra mizaka anizao: " Ingo: Hagnory fotosy ao Ziona Zaho, vato voasedra, vato fehizoro sarobidy, fotosy azo atoky. Ze mino dra sy ho megnasy.17Hahiko fisipiky gny fisara, vo pilao gny fahamarigna. Hamafa gny felofan'ireo vandy gny havandra, vo hanafosy gny toera mivony reo todra-drano.18Ho levo gny fagnekendrareo tamin'gny fahafatesa, vo sy hizoro gny fifagnarahandrareo tamin'gny Fiaigna-sy hita. No fa miriosy gny tondra-drano misavoaravoara, dra ho difos'izay handrareo.19Ndre ombia ndre ombia handalovan'izay, dra handifosy andrareo zay, vo isamaray dra handalo zay vo ho avy andro vo hariva zay. No fa azo gny hafasy, dra hapihorohoro zay.20Fa bory loasy gny fandriany no hiaparan'gny olo, sady keliky loasy ho anazy gny firakofa no handrakofa gny tagnany."21Hisanga manahaky gny Tezovohisy Perazima i Yaveh; hanaisy gny vatany amin'gny Lohasahan'i Gibeona Izy ba hanao gny asany, gny asany sy mahazasy.22Noho zay vo dra ka magnirasira, no sy zay dra ho hezagny gny rohindrareo. Fa nahare lala famoteha eto atany tamin'gny Tompo Yaveh Tompon'gny maro zaho.23Mifatoha dra tenoy gny feoko; mitenoa soa dra tenoy gny zakako.24Moa se miasa tany avao gny pamboly ze miasa tany totolo andro ba hamafy? Mitombon-doha mandrakariva vo mandravo benga gne saha se izy?25No fa avy nagnoma gny tany izy, moa se sy magnaparitaky gny vihin'gny nigela, mamafy gny komina, mametraky gny vary tritiky mitandahasy vo gny vary hordea amin'gny toera voafarisy, vo gny ampemba egny amin'gny sisiny izy?26Mapianasy anazy gny Zagnahariny; mapianasy anazy apahendre Izy.27Fagnapin'izay, sy zera amin'gny vy gny nigela, na akodikodi amin'gny komina gny kodian'gny sarety; fa zeray amin'gny fataky gny nigela, vo amin'gny hazo gny komina.28Hosora ahy amin'gny mofo gny vary fe sy manify loasy, vo ndre dra magnaparitaky anizay aza reo kodian'gny kalesiny vo reo sovaliny, dra sy magnisaky anizay reo sovaliny.29Reo koa dra boak'amin'i Yaveh tompon'gny maro,zay mahasoa amin'gny fapianara vo soa dra soa amin'gny fahendre.
Chapter 29

1Lozan'i Ariela, Ariela, gny tana nitobian'i Davida! Apio tao gny tao; aoky hisingeringery gny andro firavoravoa.2Fa hanao fahirano an'i Ariela Zaho, dra handala vo hitomagny izy; vo hanahaky an'i Ariela izy Aminahy.3Hifitaky magnodidy anao Zaho vo hametraky fahirano hanemisy anao, sady hananga efisy hanohisy anao Zaho.4Haetry hanao dra hizaka egny amin'gny tany; ho ambany boak'egny amin'gny bony gny zakanao. Hanahaky gny angasy miboaky ao amin'ny tany gny feonao, vo gny zakanao dra halefaky vatany boak'ao amin'gny bony.5Ireo andian-dahalo panafiky anao dra hanahaky gny bony madiniky, vo maro amin'ereo ze masiaky gny hanahaky gny apombo ze levo. Hiseho tapoky zay, ao agnatin'gny fotoa keliky.6Ho avy ao aminao mindray amin'gny kotrok'ora, horohoron-tany, tabataba be, mindray amin'gny rivo-mahery vo tafio-drivosy,vo lelal'afo mandevo i Yaveh.7Hanahaky gny nofy, fahita amign' ny hariva zay: Gny andia malasonigny firenena aby dra hialy amin' i Ariela vo gny ferova fatrasiny. Hanafiky anazy ereo vo gny fagnamafisa hanery anazy. 8Zay dra hamahaky gny lelahy resy ze magnonofy mihina, kanefa gny gny fa mifoha izy dra foa gny trony. Hanahaky gny olo mangetaheta zay magnonofy mino, kanefa nofa mifoha izy dra rokako,sady tsy afaky hetaheta. En, hanahaky anizay gny firenena lahibe maro ze mialy amign' ny tezovohiny ziona.9Atovy talazo gny tagnandrareo dra ao ho talazo; tampeno gny masondrareo dra ao ho poaky! Ao ho mamo kanefa tsy amign' ny divay; ao hivembe,kanefa tsy amign' ny toaky. 10Fa Yaveh fa nandraraky gny fagnahiny gny torimaso laliky tao amindrareo. Fa napipy gny masondrareo izy, gny mpaminany, vo fa nanaro gny loharano, ry pahita.11Amindrareo reo fagnambara aby dra fa manahaky gny sorany ao amign'ny boky ze voatomboky kase, ze mety hameny gny olo raiky ze nampianariny, dra hatao ho: Vakio tihoky. "Izy koa dra manao ho: tsy azoko atao, akory voatomboky kase tihoky." 12Gny ome gny raiky ze tsy mahay mamaky gny boky, dra izy hanao ho: "Tsy mahay mamaky zaho."13Gny tompo niahy ho: Magnatogna anahy amign' ny vavany reo vahoaky reo vo makalaza anahy amign' ny sognon' ereo. Kanefa lavisy anahy gny fon' ereo. Gny fakalazan' ereo anahy dra didin' ereo olo ze nampianariny avo. 14Noho izany, ingo, hiboaky hanao raha mahagaga eo amin' ireo vahoaky ihoky zaho, fahagaga arahay fahagaga. Ho foa gny fahendreny gny olo-kendrin'ereo, vo hazavo gny fahazava-sainy gny olo malin' ereo."15Lozan' ereo ze magnavony laliky gny fikasa amin' i Yaveh, vo ereo ze miasa ao agnatin' ny mezy. Ho ereo reo ho: "Iza moa gny nahita anay, vo iza gny mahay anay?"16mampivali-draha handreo! Tokony hahery ho tanimanga se gny panefy tanimanga, mba hahafahan' ereo raha ze nambory mizaka mikasiky anazy ze namboasy anazy izy'', na gny raha nivolavolany hizaka momba gny namolavola anazy ho: "Tsy mahay izy''?17Selasela, dra ho avy saka i Libanogna vo gny saka ho lasa ela. 18Amign'ny andro zihoky dra hiteno gny zakany boky gny maregny, vo gny masony poaky dra hahita ao amign'ny mezim-pito. 19Gny ory dra hivaro ao amin' i Yaveh draiky, vo gny mahatra eo amin' ereo dra hiravo ao amign' ny Raiky Masin' ny Israely.20Fa hisahasy ereo masiaky, vo hazavo gny mpanirasira. Ereo aby ze tia manao ratsy dra ho foa, 21dra ereo ze mangalaky gny olo ho mpanao ratsy amign' ny alalan' ny zaka. Manobia fandriky honazy ze mikasaky gny rariny eo amign' ny vandy avo gny ereo.22Noho zay dra izao gny zakan' i jakoba_Yaveh, ze nagnavosy an' i Abrahama: "Tsy ho megnetsy sasy i Jakoba, dre hivaloariky gny tarehiny. 23kanefa gny fa nahita gny zanany, ze asan'ny tagnako izy, dra hagnanasy gny agnarako ereo. Hagnamasy gny agnaran' ny Raiky Masin' i Jakoba ereo vo hizoro amitahosy amign' ny zagnaharin' Israely. 24Ereo ze mivily fagnahy dra hahazo fahazava-say, vo ereo mpitaray dra hahazo fahalala.''
Chapter 30Toko faha 30

1''Loza ho an' ereo zaza pikomy,'' izay gny fitalilian' i Yaveh. ''Manao fikasa ereo, fa tsy avy aminahy; manao fihavana amign' ny firenena hafa ereo, nefa tsy natoroan' ny fagnahiko lala, dra nagnampy fahota omban' ny fahota ereo. 2Mivonogna gny hidera ho any Egypte ereo, nefa tsy nangataky gny toro lalako. Mitalia ferova boakamin' i Farao ereo vo mialoky ao amign'ny alok' i Egypte.3Noho zay dra ho fahamegnarandrareo gny farovan' i Farao, vo ho fahafaham-barakandrareo, gny felofa eo amign' ny alok' i Egypte, 4dre agny zoana eza gny andrian' ereo, vo avy tagny Hanesa ereo mpinday hafany. 5Ho megnasy avokoa izy aby nohonign' ny vahoaky raiky ze tsy afaky magnampy anereo, zay sady tsy fagnampia gny tsy famoze, fa fahamegnara, vo fahafaham-baraka mihisy aza.''6Fitalilia momba ereo bibilin' i Negeva: Avy amign' ny tanin' ny fahoria vo loza, liom-bavy vo lion-dahy, gny menarana vo gny gny bibilava mirehisy mitily, gny handesan' ereo gny hereny eo an-damosin' ny boriky, vo gny rakiny eo amign' ny vohon' ny rameva, ho agny amign' ny vahoaky ze tsy afaky magnampy an' ereo. 7Fa tsy misy dikany fagnampian' i Egypte; noho izay dra ho tokavoko ho Rahaba izy, ze mipetraky tsy mihosy.8Mandehana amizahoky, sorato eo amign' ny fagnatrehan' ereo amign' ny vato pisaky zay, vo raketo ao amign' ny horognan-taratasy, mba ho voatavisy ho amign' ny andro ho avy fizoroa vavolombelo. 9Fa vahoaky pikomy ereo, zaza mpavandy, zaza tsy mba hiteno gny fampenaran' i Yaveh.10Hoy ereo amign' ny mpahita ho: ''Ka mahita;'' vo amin' ereo mpaminany ho: ''Ka maminany gny marina aminay; mizaka zaka mandoka aminay, maminania nofinofy. 11Mela amign' ny lala, mivilia amign' ny lala, atovy mizano mizaka eo agnatrehan' ny tarehiny gny Raiky Masin' Israely.''12Noho izay dra hoy gny raiky Masin' Israely ho: Akory manda zao zaka zao handrareo vo matoky gny fampahoria vo fitaky dra metehisy amizehoky koa zay, 13dra zihoky fahota zihoky dra hanahaky gny singa vaky ze vono fa hazera aminao, manahaky gny triasy eo amign' ny rindry abo ze ho tampoky fezerany, ao agnatin fotoa bory.''14Ho vakiny manahaky gny fahavakian' ny apondran' ny mpanefy tanimanga zay, tsy hiaro anizay izy, dra tsy hisy potiny ho vita eo amin' ereo vakiny ze bo hangala gny afo boakao am-patagnafo, dre hamoara gny rano boak' amign' ny siniben-drano.15Fa izao gny zakan' ny Tompo Yaveh, gny Raiky Masin' Israely: ''Ho avosy amign' ny fiharegna dre fizanogna handrareo; amign' ny fahangina vo fatokia gny ho herindrareo. Nefa tsy nanam-piniava handrareo. 16Hoy handrareo ho: ''Aha, fa hienga amign' ny sovala zahay, dra hienga handrareo; vo hitikisy sovala halaki-fandeha zahay, 'dra halaky fandeha ereo ze magnitriky andrareo.17Arivo gny hienga noho gny fampitahoran' ny iray; amin' n y fampitahoran' ny dimy gny hilomesandrareo ambara-piavian' ny sisa tavela anindrareo ho tahaky gny tahon- joro egny agnabom-bohisy, dre manahaky gny zozoro egny amign' ny havoa.''18Fa mbo mandigny gny hamindra fo amindareo Yaveh, noho zay dra vonona gny haneho fiantra amindrareo izy. Fa Yaveh dra zagnahary gny rariny; sambasy ereo ze mandigny anazy. 19fa hisy vahoaky hitoby agny Ziona, agny jerosalema, dra tsy hitomagny sasy handrareo. Hamindra fo amign' ny fitairaignandrareo vatany izy. Gny fa reny zay, dra hamaly andrareo izy.20Dre magnome andrareo gny mofon' ny aly sarosy dre gny ranon' ny fampahoria aza Yaveh, dre zay aza, dra tsy hivony sasy gny mpampianasindrareo amign' ny masondrareo handrareo. 21Gny sofindrareo handre zaka boak' afarandrareo hanao ho: ''Tihoky gny lala, amin' ny tihoky mandeha,''dre mivily ho amign' ny ankavana dre mivily amign' ny ankavia handrareo.22Ho zimbazimbandrareo ereo sary voasokindrareo ze nirakofan' ny volafotsy vo ereo sary agnilia volamena. Hariandrareo manahaky gny vorondamban' ny falimbola zay. hizaka amin' ereo handrareo ho: ''Mela eto.''23hagnome ora ho an' ny volindrareo izy gny fa mamafy egny amign' ny tany handrareo, vo mofo hovokasy amign' ny tany, dra gny vokasy dra hovokasy amin' izay andro zay dra hiraoky egny amig' ny ahisy malalaky ereo biby tezandrareo. 24Ereo agnomby vo ereo boriky, ze miasa tany, dra hihina gny voaisy sira ze nikororohy tamign' ny fangaly vo fangaly fazaisy.25Egny amign' ny vohisy abo aby vo gny havoa ambony aby, dra hisy vavasakan- driaky hikoria vo rano mandeha, amign' ny andron' ny famonoa lahibe ze hilavoan' ny tilikambo. 26Hanahaky gny fahazavan' ny masoandro gny fahazavan' ny vola, dra gny fahazavan' ny masoandro dra hamirasy impito-heny, manahaky gny zava-masoandron' ny andro fito. Hamehy gny fanorotoroa gny olon' i Yaveh vo hagnasitra gny ferin' ny nandratrany anereo.27Indro, gny agnaran' i Yaveh dra avy agny amigny toera lavisy, mihehisy amign' ny fahoriany vo gny hoto matevy. Feno fahavignira gny malony, vo gny lelany dra hanahaky gny afo mandevo. 28gny fofonainy dra manahaky gny fikizagn' ny riaky ze mahatrasy boakagny amign' ny vozo masaiky, mba haniva gny firenena amign' ny sivan' ny fandringana. Gny fofonainy dra hisatra amign' ny valagnoragn' ny olo mba hahatonga anereo hirenireny.29Hana hira manahaky gny amign' ny hariva hitandrema gny firavoravoa masy handrareo, vo firavoravoam-po, manahaky gny amign' ny fandehanagn' ny olo miaraky amign' ny sody ho egny agnabom-bohisin' i Yaveh, ho eo amign' ny vatolampin' Israely.30Hataon' i Yaveh ra gny fampirapiratan' ny feony dra natorony gny fiofaofan' ny sandriny amign' ny fahoria mirehisy vo lelafo, amign' ny tafio-drivosy, oram-barasy, vo havandry.31Fa amign' ny feon' i Yaveh, dra holavo i Asyria; hazera anereo amign' ny tehy izy. 32gny zera aby amign' ny sora- kazo voatendry ze hapetrak' i Yaveh amin' ereo dra hiarahan' ny feon' aponga tapaky vo valiha eo am-pitolognany vo hialiany amin' ereo.33Fa misy toera fagnoroa voaoma fa ela.Eh vatany, voaoma ho an' ny mpanjaka zay, dra nataon-dRagnahary laliky vo malalaky. Fa vonono amign' ny afo vo hita maro be gny antontany. Gny fofonain' i Yaveh, manahaky gny fandriaky gny solifara,dra handrehisy an' ny zihoky.
Chapter 31Toko faha 31

1Loza ho an' ereo ze mandeha magnagny Egypte hitalia vozy vo miatehisy amin' ereo sovala, vo mitoky amin' ereo kalesy (fa maro ereo) vo amin' ereo mpitikisy sovalany (fa tsy voaisaky ereo). Nefa tsy mba miandrandra Gny Masin' Israely, dre mitalia an' i Yaveh ereo! 2Kanefa hendry Izy, vo handay loza Izy dra tsy hagnafoa ereo zakany. Hitsanga hanohisy gny ankohonan' ny ratsy sy hanohisy gny mpamonjin' ereo ze manota izy.3Olo i Egypte fa tsy zagnahary, nofo gny sovalan' ereo fa tsy fagnahy. Gny fa magninjisy gny tagnany Yaveh, gny olo ze mamozy dra ho tafatoy, vo gny olo ze voze dra ho lavo; samby hiaraky ho maty izy ro.4Zahoky gny zakan' i Yaveh taminahy: ''manahaky gny liona, dre gny zana-diona, miero amign' ny rembiny, gny fa tokavy hanohisy anizay gny andian' ny mpiaraky agnondry, dre tsy mba hataosy amign' ny feon' ereo zay, dre migege amign' ny fihorakorak' ereo; dra hanahaky anizay gny hizosoan' i Yaveh Tompon' ny maro hialy eo agnabombohisin' i Ziona eo amizay havoa zay.5Manahaky gny voro magnomba, gny hiarovan' i Yaveh tompon' ny maro an' i Jerosalema; hiaro sy hamozy izy gny mandeha eo amizay vo magnaza anizay. 6Miharegna amin' azy ze fa nihodignandrareo fatrasy, ry vahoakin' Israely. 7Fa amizay andro zay gny kiraikiraiky dravy dra hangalaky iereo sampy volafosiny vo ereo sampy volamenany ze nataon' ny tagnandrareo avo tamim-pahota.8Ary gny Asyriana ho lavogn' ny sabatra ze tsy mba an' olombelo gny handringa anazy. Dra hienga gny sabatra izy, vo gny zatovony hampanovy fanompoa fatrasy. 9Vo ereo dra levo fahatokisa noho gny fahatokisa noho gny fatahora, vo ereo mpanapaky anazy hivali-po eo agnatrehan' ny fanevan' i Yaveh - Izay dra fagnambara nataon' i Yaveh - Ze mana gny afony ao Ziona vo gny fatany fagnoroa ao Jerosalema.''
Chapter 32Toko faha 32

1Indro, gny mpanjaka dra hanjaka amign' ny fahamarigna, vo gny andrian-dahy dra hanapaky amign' ny rariny. 2Gny kirairaiky aby dra hanahaky gny fialofa amign' ny kotroky, manahaky gny ranovelo amign' ny toere maiky, manahaky gny aloky gny vatolampy lahibe agny amign' ny faharokafa. 3Vo gny mason' ereo ze mahita dra ho pehy, vo gny sofin' ereo ze mahare dra hiteno soa.4Ereo kely fisaigna dra hihevisy soa amign' ny fahazava-say, vo ereo mibadabada dra hahay hizaka mahisy soa. 5gny adala dra tsy ho tokavy sasy ho mendrika, dre gny mpamitaky ho haza. 6Fa gny adala dra hizaka fahadala, vo gny fony dra hanao teti-drasy vo hanao asa miatsaravelatsihy, vo hizaka diso hanohisy an' i Yaveh izy. Hamparesy ereo resy izy, vo hahatonga ereo mangetaheta tsy hana raha hinomy.7Rasy ireo fomban' ny mpamitaky. Mihevisy teti-drasy izy mba hanola gny mahatra amign' ny vandy, dre mizaka ze marina aza gny mahatra. 8Fa gny olo mendriky koa dra manao tetiky mendriky; vo noho ereo tetiny mendriky dra hahomby izy.9Mitsangana, ry vehivavy tsy manao-sarosy, vo tenoy gny feoko; ry vehivavy tsy mivaky loha, tenoy zaho. 10Fa afaky heritao farafahakeliny dra ho rava gny fahatokianao, ry vehivavy tsy mivaky loha, fa tsy hisy gny fitohizam-boaloboky, tsy avy gny fanongana.11Matahora, ry vehivavy tsy manao-sarosy; ao hataosy, hanao ze mahatoky; alao ireo akazo matifinao vo ao hanao hihalo; vo asio lamba fandala gny valahinao. 12Hidradradradra amin' ereo saha mahafinarisy hanao, ho an' ereo voaloboky mamokasy. 13gny zakan' ny vahoako dra ho rakok' ereo tsilo vo ereo hery, eh dre ao amin' ereo tragno mahafaly aby ao amign' ny tanan' ny firavoravoa aza.14Fa gny lapa dra hafo, gny tana feno vahoaky dra ho foa; gny havoa sy gny tilikambo dra ho lava-bato mandrakizay, fifalia ho an' ereo boriky dra, ahi-meso ho an' ereo agnondry miaraky osy; 15mandra-pilatsahan' ny fagnahy boak' agny amign' ny abo amisika, dra gny tany efisy dra ho avy tany mamokasy, vo gny tany mamokasy dra hihery manaky gny ala.16Vo hitoboko eo amign' ny tany efisy gny rariny; vo gny fahamarigna hipetraky ao amign' ny tany mamokasy. 17Gny asan' ny fahamarigna dra ho fiadagna; vo gny vokasy gny fahamarigna, dra fahangina vo fahatokisa mandrakizay. 18Gny vahoako dra hitoby ao amign' ny fitoboha feno fiadana, ao amin' ereo tragno azo atoky, vo ao amign' ny toera mangiky fangala ay.19kanefa gny misy ereo havandra dra ho sola gnnnnny ala, dra ho rava tanteraky gny tana, 20hanao ze mamafy egny agnilan' ereo onja dra ho voatahy, hanao ze mamoaky gny agnombinao sy ereo borikinao mba hiraoky.
Chapter 33Toko faha 33

1Loza ho andrareo, ry mpandrava ze tsy mbo nirava! Loza ho an' ny mpamadiky ze tsy mbo nivadihan' ereo! Gny mihato amign' ny famoteha handrareo, dra ho potehy! Gny mihato amign' ny famadiha handrareo, dra hivadihan' ereo.2Ry Yaveh, mamindra fo aminay; mandigny Anao zahay; ao mba ho sandrinay sama-maray, vo famozenay amign' ny andro fahoria.3Agnatin' ny fo fatrasy gny hiengan' ny olo, gny fa mitsanga hanao, dra miparitaky ireo firenena. 4Nalevy manahaky gny valala niango gny babonao; manahaky gny fifanaresak' ereo andiam-balala, gny ifanaretsan' ny olo amin' izay.5Nasandrasy i Yaveh. Mitoby agny amign' ny toera abo izy. Ho fenony amign' ny fitsara vo fahamarigna gny Ziona. 6Ho filamigna amign' ny fotoandrareo izy, famoze be, fahendre, vo fahalala; gny fahatahora an' i Yaveh gny fanagnany.7Indro, ireo irak' ereo mitaray eo an-dala; mitomagny fatrasy ereo iraky manantena fiadagna. 8Foa ereo lalam-be; tsy misy mpandeha sasy. Rava gny fagneke, nosinosiniavy ereo vavolombelo, vo tsy voahaza gny maha-olombelo.9Mandala gny tany vo milofoky; megnasy Lybanona vo karakay; Sara dra manahaky gny lemaky maiky; vo magnisa gny raviny i Basana vo Karmela.10Amizao hitsanga zaho, '' hoy Yaveh; amizao ho hasondrosy zaho; amizao ho egny amign' ny abo zaho. 11Manorotoro gny tegnam-bary handrareo, vo miteraky mololo, afo mandevo andrareo gny fofon' aindrareo. 12Ho voaoro ereo olo, manahaky gny tsilo nitapahy vo noroa.13Handrareo ze lavisy, tenoy ze fa nataoko, vo, handrareo ze mariny, ekeo gny heriko.'' 14Matahosy ereo mpanonta agny Ziona; fatahora gny fa nahazo gny mpiatsaravelatsihy. Iza amisika gny afaka hizanoamign' ny afo mandevo? Iza amign' ny fireheta mandrakizay?15Izy gny mandeha amign' ny fahamarigna vo mizaka am-pahatsora; Izy gny nagnafoa gny tombon' ny fampahoria, ze manda gny handray kolikoly, ze tsy manao teti-drasy heloky bevava fandasahan-dio, vo ts mitalia gny rasy__ 16hataony amign' ny farany abo gny fitobohany; gny toera fiambenany dra ho fiarova fatrasy amign' ny harambato; gny sakafony sy gny ranony dra ho feno famatsia.17Gny masondrareo dra hahita gny mpanjaka amign' ny hasoany; hisinjo tany malalaky ereo. 18Ho tsarogn' ny fondrareo gny horohoro; eza gny mpanora-dala, eza izy zay nagnisaky ireo tilikambo? 19Tsy hahita gny olo mpanohisy andrareosasy handrareo, olo hafa hizaka ze tsy takandrareo.20Atio Ziona, gny tananan' ny fankalazantsika; hahita an' i Jerosalema manahaky gny mponina milamy gny masondrareo, ze tsy mba hala, ze tsy ho voaombosy vatany gny tsato-kazony dre ho tapaky gny foliny. 21Fa koa, homba amign' ny hery amisika i Yaveh, agny amign' ny toera amoron' ny ony vo lakan-drano. Tsy hisy sambo voizy handeha amin' izany, vo tsy hisy sambo lahibe hamakivaky izay.22Fa Yaveh gny mpisara asika, Yaveh gny mpagnome lalana antsika, Yaveh gny mpanjakantsika; vo hamozy asika izy.23Mirefarefa ereo fagnodikodignandrareo; tsy afaky hita lava amign' ny toerany ereo; tsy afaky hagnaparitaky gny lay ereo; gny fa nizaran' ereoilay voababo lahibe, dre gny mandrava eza haninto gny babo. 24Tsy mizaka gny mponina hoe: ''Marary zaho;'' gny olo ze mitoby agny dra ho voavela amign' ny helok' ereo.
Chapter 34Toko faha 34

1Magnatonga mariny, handrareo ry firenena; vo mitenoa, mifantoha, handrareo ry vahoaky! Gny tany vo ze mameno anizay dra tsy maintsy miteno, izao tontolo izay, vo gny raha aby avy amin' izany. 2fa ory amign' ny firenena aby Yaveh, vo nilisy amign' ny tafik' ereo tanteraky izy, nanolosy an' ereo teo an-tagnan' ny mpamono izy.3Ereo vato mangasiak' ereo maty dra hatoraky agny ivelany. Gny fofo membon' ereo faty dra ho egny aby egny, vo ereo vohisy ho vontonign' ny lion' ereo. 4Ho levo avo koa gny kitan' ny lagnisy, vo gny lagnisy dra hioro manahaky gny horogna; vo gny kitany aby dra ho levo, manahaky gny ravy ze malazo mihitsa amign' ny tahom-boaloboky, vo manahaky gny aviavy lo mihitsa amign' ny hazon' aviavy.5Fa gny fa mamogn' ny lio an-dagnisy gny sabatro; indro, amizao hizoso agny Edoma izany, eo amign' ny vahoaky ze hatokako amign' ny fandrava. 6Gny sabatr' i Yaveh dra mitete lion' ereo zanak' agnondry vo ereo osilahy, rakosy gny tavign' ny tegnan' ereo agnondrilahy. Fa mana fagntisy ao Bozra vo famonoa lahibe ao amign' ny tanin' ny Edoma i Yaveh.7ho vono miaraky amin 'ereo gny agnombily, vo ereo vaton' agnomby miaraky amin' ereo efasy atisy. Gny tanin' ereo dra ho mamon-dio, gny gny vovokiny dra matavign' ny hataveza.8Fa ho andro famalian' i Yaveh zay vo ho tao famaliany gny aamign' ny Ziona. 9Gny rian-dranon' i Edoma dra ho avy dinty, gny vovokiny ho solifara, vo gny taniny hivaliky dinty mirehisy. 10Hirehisy andro amagn' aly zay; gny hoton' izay dra haharisy mandrakizay; amign' ny taranaky mifandimby dra ho tany ngaza zay; tsy hisy olo handrio eo amin' izay mandakizay doria.11Fa ereo vorodily vo ereo bibily gny hitoboky agny; gny vorondolo vo gny koaky gny hanao gny tragnony eo amin' izay. Vo hohezagny eo amin' izay gny taly fandrefesan' ny fahapoteha vo gny fason-drano fandrava. 12Ereo olo mendri-kazany dra tsy hanana raha ho tavela ho tokavy ho fanjaka, vo gny andriandahy aby dra ho tsinontsino.13Tsilo gny hisiry eo amin' ereo lapany, voaroy vo amia gny eo amign' ny tragno fiarovany. Ho fitoeran' ereo amboamola zay, vo fitobohan' ereo ostritsa. 14Gny bibily vo ereo kary gny hihao agny, vo ereo osily gny hifampitoka agny. Gny bibin' ny alina gny hagnorom- ponegna agny dra hahita toeram-pialatsasatra ho an' ereo. 15Ereo vorondolo hanao ankany, hagnatoly vo hamana ereo atoliny, hamana vo hiaro ereop zanany. Eh, agny gny hivorian' ereo papango, gny kirairaiky miaraky amign' ny namany aby.16Taliavo ao amign' ny horonan-taratasin' i Yaveh; fa tsy misy raiky amin' ereo tsy ho ao. Tsy misy tsy hanana nama; fa gny vavany gny mandidy izany, vo gny fagnahiny gny mangoro an' ereo. 17Nanao filoka hon' ny toerany ereo izy, vo gny tagnany gny handrefy an' izay tamign' ny taly hon' ereo. Ho tompon' izay mandrakizay ereo; hatramign' ny taranaky faramandimby gny hitobohan' ereo agny.
Chapter 35Toko faha 35

1Gny tany efisy vo karakay dra hiravoravo; vo gny tati-hay hifaly vo hamony. Manahaky gny raozy, 2hamela be dra be izay vo hihoby amign' ny fifalia vo gny hirahira; gny voninahin' i Libanona dra hagnome izay, gny hasoa-tarehin' i Karmela vo Sarona; hahita gny voninahin' i Yaveh ereo, gny famirampiratan' ny Zagnaharitsika.3Ampaherezo gny tagna miraviravy, vo atazaho ereo pokopoko mangovisy. 4Zakao amin' ereo rokaky am-po ho: ''Mahereza, ka matahosy! Indro, gny zagnaharindrareo ho avy miaraky amign' ny famalia, dra gny famalian' ny Zagnahary. Ho avy izy vo hamozy andrareo,''5Dra hahirasy gny mason' ereo poaky, vo handre gny sofin' ereo maregny. 6Dra hidokosy manahaky gny diera gny olo mandringa, vo gny lelan' ny moa dra hihira, fa hiboaky boak' agny amign' ny tany maiky gny rano, vo ereo loharano agny agn' efisy. 7Ho avy farihy gny fasy magnoro, vo gny tany mangeta hivaliky loharano miboiboy; agny amign' ny fitobohan' ereo fa ela, dra ho feno ahisy volotara vo gny zozoro.8Gny lalam-be agny dra ho tokavy hoe lala masy. Tsy handeha amign' izay gny maloto. Fa zay dra natao hon' ereo mandeha amin' izay. Tsy misy adala handeha amin' izay. 9Tsy hisy liona agny, tsy hisy biby masiaky ao amin' izay; tsy ho hita ao ereo, fa ereo ze voavozy gny handeha ao.10Hihery gny valim-pagnavotan' i Yaveh vo ho avy agny Ziona amign' ny fihira, vo fifalia mandrakizay gny ho eo an-dohan' ereo; hahazo fihobia vo firavoravoa ereo, hienga gny alahelo vo gny fisentoa.
Chapter 36Toko faha 36

1Tamign' ny tao faha efasy ambin' ny folo nazakan' i Hezekia mpanjaka, Sankeriba, mpanjakan' i Asyria, dra nanafiky ereo tana aby mimandan' i Joda vo nababo an' ereo. 2Dra nalefan' ny mpanjakan' ny Asyria boak' agny Lakisa ho agny Jerosalema ho agny amin' i Hezekia mpanjaka lahibe mpifehy miaraky amign' ny tafiky lahibe. Nampifagnato gny lakan-dranon' ny farihy agnabo izy, amign' ny lalam-be magnagny amign' ny sahan' ny mpanasa lamba, vo nitsanga tamin' izay. 3Gny manam-pahefa Israelita ze niboaky ambalikign' ny tana mba hizaka amin' ereo dra i Eliakima zanaky lahin' i Hilikia, gny mpandrindra gny lapa, Sebna mpita-sorasign' ny mpanjaka, vo Joa zanaky lahin' i Asafa, ze nanorasy ereo fanapahan-kevisin' ny governemanta.4Nizaka tamin' ereo gny lahibe manam-pahefa ho: ''Zakao amin' i Hezekia fa gny mpazaka lahibe, mpazakan' i Asyria, dra mizaka ho: ''Ino gny loharanogn' ny tokindrareo? 5Tsy mizaka afa-tsy zaka tsy dra taliavy handrareo, mizaka fa misy torohevisy vo hery @gn' ny aly. Amizao amin' iza gny itokiandrareo? Iza gny hankahery andrareo hikomy hanohisy anahy?6Indro, matoky an' i Egypte handrareo, ze volotara misitaky ze ampesandrareo manahaky gny tehy, gny fa miantehisy amin' izay gny olo raiky, dra hifikisy amign' ny tagnany dra handefo an' azy izay. Manahaky izany i Farao mpanjakan' i Egypta amign' ny olo ze matoky anazy. 7Gny fa mizaka aminahy handrareo ho: ''Matoky an' i Yaveh zagnaharinay zahay,' tsy za kay ereo toera abo vo gny ereo alitara ze nalan' i Hezekia, vo fa nizaka tamin' i Joda vo Jerosalema ho: ''Miondrefa eo alohan' ny tihoky alitara agny Jerosalema tihoky''?8Vo amizao, magniry gny hanao fagnomeza soa ho anao boak' agny amign'ny mpanjakan' i Asyria zaho. Hagnome anao sovala roa arivo zaho, gny mahavita mitalia mpitikisy hon' ereo hanao.''9akory gny hahafahanao manohisy dre gny kapiteny raiky ze farany masaiky amign' ny mpanomoon' ny tompoko? Nanoby gny fahatokisandrareo tamign' i Egypte noho ereo kalesy vo ereo mpikisy sovala handrareo! 10Vo amin' izao, kay nandeha tatiky tsy niaraky tamin' i Yaveh mba hialy hanohisy tihoky tany vo handrava izay kay zaho? Hoy Yaveh taminahy, ''magnafia tihoky tany tihoky vo ravao izay.''''11Vo Eliakima zanaky lahin' i Hilkia, vo Sabna, vo Joa nizaka tamign' ny lahibe manam-pahafa ho: ''Mizaka ra amin' ereo mpanomponao amign' ny fiteny Syriana. Aramaika, mba hahazoanay an' izay. Ka mizaka aminay amign' ny fitenin' i Joda eo an-sofin' ereo vahoaky ze ao amign' ny manda.'' 12Fa hoy gny lahibe manam-pahef: ''Moa nandefa anahy mba hizaka ireo teny ireo ho agny amign' ny tomponao vo ho agny aminao kay gny tompoko? Tsy nandeha zaho ho agny amin' ereo lelahy ze mitoby eo amign' ny manda izy, ze hihina gny malotony avo vo hino gny amaniny avo miaraky aminao?''13Vo nisanga gny lahibe mana-pahefa vo nasiaky tamign' ny feo fatrasy tamign' ny fiteny Jiosy, mizaka ho: ''Mitenoa gny zakan' ny mpanjaka lahibe, mpanjakan' i Asyria. 14Hoy gny mpanjaka: ''Ka mety hofitahin' i Hezekia hanao, fa tsy afaky gny gny hagnavosy anao izy. 15Ka anga hampatokian' i Hezekia amin' i yaveh hanao, ze mizaka ho; Hamozy anay vatany i yaveh, tsy home ho eo an-tagnan' ny mpanjakan' ny Asyria tihoky tana tihoky.16Ka miteno an' i Hezakia fa izao gny zakan' ny mpanjakan' i Asyria: ''Mihavana aminahy vo gny magnatogna anahy. Vo gny kirairaiky amindrareo dra hihina boakagny amign' ny voalobony vo avy amign' ny hazo aviaviny avo, vo hino gny rano ao agnatin' ny fitobohan-dranony avo. 17Izany gny ataondrareo ambara-pahaviako vo gny hangalako andrareo ho agny amign' ny tany manahaky gny tanindrareo avo, tanin' ny vary vo gny tanin' ny divay vaovao, tanin' ny mofo vo gny tanim-boaloboky.''18KA mamela an' i Hezekiela mamitaky andrareo, mizaka hoe: ''Yaveh gny hamozy asika''. Moa nisy tamin' ereo zagnaharin' ny vahoaky ve dra nahavozy an' ereo avy eo an-tanan' ny mpanjakan' i Asyria? 19Eza ereo zagnaharin' i Hamata vo Arpada Vo eza avo koa ereo zagnaharin' i Sefarvaima? Moa ve nahavozy an' i Samaria tamign' ny heriko ereo? 20Tamin' ereo zagnahary aby teto amign' ny tany, moa nisy zagnahary nahavozy gny taniny tamign' ny heriko ve? Manahaky gny hoe afaky mamozy an' i Jerosalema amign' ny heriko ve i Yaveh?21Fa gny vahoaky nizano tsy narevoky vo tsy nisy namaly, fa izany gny didin' ny mpanjaka hoe: ''Ka mamaly an' azy.'' 22Vo i Eliakima zanaky lahin' i Hilkia ze lahiben' ny ankohona, vo Sebma mpanora-dala, vo Joa zanaky lahin' i Asafa, mpita gny raharaham-panjaka, dra nagnato an' i Hezekia miaraky amin' ereo akazony triasy, vo nanday tamigny ereo zakan' ny lahibe manam-pahefa.
Chapter 37Toko faha 37

1Gny fa ren' i Hezkia mpanjaka gny tatis' ereo, dra naniasy gny akazony izy, dra nandomboky gny vatany tamign' ny akazo fandala, vo magnagny an-tragnon' i yaveh. 2Izy dra nagniraky an' i Eliakima, ze lohan' ny ankohona, vo Sebna mpanora-dala, vo ereo lohan' ny mpisoro, samby nilomboky akazo fandala avo koa, ho agny amin' i Isaia mpaminany, zanak' i Amoza.3hoy izy taminazy: ''Hoy i Hezekia hoe: 'Tihoky andro tihoky dra andron' ny fahoria, fibedesa, vo fanglam-baraka, manaky gny zaza fa ho teraky, nefa gny reniny dra tsy mana hery hiteraha gny zanany. 4Mety ho ren' i yaveh zagnaharinaoavo koa ereo zakan' ny lahiben' ny mpifehy, ze nirahin' ny mpanjakan' i Asyria mba hihasy an-dRagnahary velo, dra hizaka fatrasy ereo zaka ze ren' i Yaveh Zagnaharinao. Amizao dra asandrato ho an' ze bo tavela eto gny vavakao."'5Dra nagnagny amin' i Israely ereo mpanompon' i Hezekia mpanjaka, 6vo hoy i Isaia tamin' ereo hoe: ''Lakao amign' ny tompondrareo hoe: ''Ka matahotsy gny zaka ze fa renao, ze tamin' izany gny nanevatevan' ereo mpanompon' ny mpanjakan' i Asyria zaho, vo hahare gny tatisy ialany izy dra hihery agny amign' gny taniny. Hataoko lavon' ny sabatra agny amign' ny taniny avo izy.""'8Dra nihery ereo lahiben' ny mpitariky dra nahita gny mpanjakan' i Asyria niady tamign' i Libna, fa reny fa niala tao Lakisy gny mpanjaky. 9Vo gny ren' i Senkeriba fa nihetsiky hialy aminazy i Tiraky mpanjan' i Etiopie vo Egypta, dra nagniraky mpitondra hafasy miaraky amign' ny hafasy tagny amin' i Hezekia draiky izy: 10''Zakao amin' i Hazekia, mpanjakan' i Joda hoe: 'Ka anga handiso fanantena anao gny zagnaharinao ze atokisanao, manao hoe: ''Tsy hatolosy eo an-tagnan' ny mpanjakan' i Asyria i Jerosalema.''11Indro, fa rendrareo ze nataon' ny mpanjakan'i asyria tamign' ny tany aby tamign' ny fandrava an' enereo tanteraky. Dra ho voavonjy ve handrareo? 12Moa ve mamonjy an' ereo zagnahary gny firenena, dra ereo firenena ze niravan' ereo razamkeko: Gozana, Harana, Razefa, vo gny vahoakin' i Edena tao Telasara? 13Eza gny mpanjakan' i Hamata, mpanjakan' i Arpada, mpanjakan' ereo tananan' i Sefarvaima, Hena, vo Iva?"'14Nandray gny taratasy tegny an-tagnan' ny mpitondra hafasy i Hezekia vo namaky izany. Dra nagnagny an-tragnon' i Yaveh izy vo namelasy izany teo agnatrehany. 15Nivavaky tamin' i Yaveh i Hezekia hoe: 16''Ry Yaveh tompon' ny maro, Zagnaharin' i Israely, hanao ze mitoby eo am-bony Kerobima, Hanao raiky gny zagnahary eo amign' ny fanjakan' ny tany aby. Hanao gny nahary gny lagnisy sy gny tany.17Atokilagno gny sofinao, ry Yaveh, vo mitenoa. Sokafo gny masonao, ry Yaveh, dra atio,, vo tenoy ereo zakan' i Sankeriba, ze fa nalefany hanesoa an-dRagnhary velo. 18Marina izany, ry Yaveh, fa niravan' ny mpanjakan' i Asyria gny firenena aby vo gny tanin' ereo.19Fa nataoko tao agnaty afo ereo zagnahariny, fa tsy zagnahariny raiky fa asan-tagnan' olo, hazo vo vato avo. Dra nipehin' ny Asyriana ereo. 20Dra amin' izao, ry Yaveh zagnaharinay, vozeo eo amign' ny heriny izahay, mba ho fatasy gny fanjakan' ny tany aby fa hanao raiky avo gny Yaveh.''21Vo nandefa hafasy tagny amin' i Isaia zanak' i Amoza i Hezekia, manao hoe: ''Yaveh, Zagnaharin' Isaraely manao hoe: 'Akory fa nivavaka taminahy mikasiky an' i Sankeriba mpanjakan' Asyria hanao, 22dra zao gny zaka ze nizakan' i Yaveh gny momba an' azy: ''Manao tsinosino vo mangala baraka anao gny zanaky vavy virijin' i Ziona; mihifikifi-doha aminao gny zanaky vavy. Nihasy vo naniratsira an' iza hanao? 23Nampiaka-peo vo nivan-dravandra tam-pirehareha tamin' iza hanao? Tamign' ny Masin' Isaraely.24Tamign' ny alalan' ny mpanomponao gny niahasiaronao gny tompo vo gny nanovanao hoe: 'Tamign' ny hamaroan' ny kalesiko gny niakarako tegny amign' ny havoan' ereo tendrombohisy, tamign' ny fiakara farany abo an' i Libanona. Hozerako ereo sederany lava vo ho filiko ereo hazon-kypreso agny, vo hihilisy ao amign' ny toerany farany ambony zaho, dra gny alany mamoha farany be. 25Fa nihaly lava-drano zaho vo nino rano; Noritraiko gny reniranon' i Egypta aby ambanin' ny faladian-tombony.'26Moa ve tsy renao gny namaritako izany fotoa maro ze tsy nanagnako izay tamign' ny fotoa fahiny? Vo andesiko mba hitranga izany fotoa zihoky. Eto hanao mba handrava ereo tana matazaky ho lasa korotam-bato. 27Ereo mponiny, tsy manan-kery, dra kivy vo afa-baraka. Voly agny agnaisy ereo, ahi-meso, ahisy egny ambony tafo na egny agnaisy, mialohan' ny rivosy avy agny antsignana.28Fa fantako gny fipetrakao, gny fiboahanao, gny fidiranao, vo gny haorianao aminahy. 29Nohon' ny haorianao aminahy, nohon' ny avognavonao ze nipaky tamign' ny sofiko, dra hametraha farangoko eo amign' ny oronao, ary gny lalam-boridiko eo amign' ny vavanao; haheriko agny am' izay lala niavianao hanano.''30Zao gny ho famatara ho anao: Hihina ze magnirigniry foa anao amin' ny tihoky tao toy, vo ze agniry amin' izany amign' ny tao faharo. Fa amign' ny tao faharo fahatelo dra tsy maintsy mamboly hanao vo mioty, manova tanim-boaloboky vo hano gny vokany.31Ereo sisa amign' ny ankohon' i Joda ze tsy maty dra hamaka vo hamokasy draiky. 32Fa avy ao Jerosalema gny hiboahan' ereo sisa; avy ao an-Tendrobohisin' i Ziona ereo tsy maty. Hanao izany gny zotom-pon' i Yaveh Tompon' ny maro."'33Noho izany dra dra izao gny momban' ny mpanjakan' i Asyria. "Tsy hilisy eto amin' ny tihoky tana tihoky, dre hanipy tsipiky eto izy. Dre ho avy alohan' izany miaraky amign' ny ampinga dre hananga rindry fiankara amin' izany izy. 34Gny lala nahaviany avo gny ho lala hialany; tsy hilisy ao amin' ny tihoky tana tihoky izy_izay gny fagnambaran' i Yaveh.35Fa hiaro tihoky tihoky zaho ary hamozy izany, nohon' ny Amiko vo nohon' ny amin' i Davida mpanompoko."36Vo gny anjelin' i Yaveh dra niboaky ka nanafiky gny tabin' ereo Asyriana, nahafaty maramila 185.000. Gny fa nifoha maraim-be ereo lelahy, dra nitsirara tegny aby egny gny fatin' olo. 37Dra nandao an' Israely i Sankeriba manjakan' i Asyria vo gny noly tagny an-tragno dra nitoby tao Ninive.38Tatiky afara, gny bo nidera tao an-tranon' i Nisroka andriamaniny izy, dra namono anazy tamign' ny sabatra i Adremeleka vo Serezara zanany lahy. Boak' eo dra nitsoaky tagny amign' ny tanin' i Ararata ereo. Dra i Esara-hadona zanany gny natazaky teo amign' ny toerany.
Chapter 38Toko faha 38

1Tamin' ereo andro ereo i Hezekiala dra narary fatrasy fa eo andalam-pahafatesa. Dra avy teo aminazy Isaia zanaky lahin' i Amoza, ilay mpaminany, vo nanao taminazy hoe: "Izao gny zakan' i Yaveh: 'Alamino gny tragnonao; fa ho maty hanao, fa tsy ho velo."' 2Dra nagnody gny tarehiny magnagny amin' ny rindry i Hezekia vo nivavaky tamin' ny Yaveh. 3Hoy izy: "Ba sarovy avo le ry Yaveh, gny nandehanko am-pahatokia tamign' ny foko manontolo teo agnatrehano vo gny nanovako gny soa teo amasonao. "Dra nitomagny fatrasy i Hezekia boakeo.4Dra avy tamin'i Isaia gny zakan'i Yaveh, manao ho:5" Mandehana dra zakao amin'i Hezekia, pitariky gny oloko ho: ' Zao gny zakan'i Yaveh, gny Zagnaharin'i Davida razambenao: Fa reko gny vavakao, sady fa hitako gny ranomasonao. Ingo, hagnapy dimy ambinifolo tao amin'gny fiainanao Zaho.6Dra hagnavosy anao vo tihoky tana tihoky amin'gny tagnan'gny pazakan'i Asyria Zaho, dra hiaro tihoky tana tihoky.7Zao gny ho famatara boakamin'i Yaveh ho anao, fa ho ahiko ze napanatenako.8Ingo, hapihery gny aloky eo amin'ireo tohas'i Ahaza ho folo linga Zaho."" Dra nihery ambaratonga folo reo tohasy teo amy ze nihoasy.9Zao gny vavaky voasoras'i Hezekia pazakan'i Joda, no fa narary vo sitra izy:10" Zaho nizaka fa eo amin'gny ategnategnan'gny fiaignako dra handeha amin'ireo vavahadin'gny fiegna sy hita zaho; nalefa tagna zaho mandrisy gny tao sisa hiaignako.11Ho zaho ho sy hahita an'i Yaveh sasy zaho, Yaveh agny amin'gny tanin'gny velo; sy hagnety gny olombelo vo reo ponin'gny tany sasy zaho.12Napiala sady nala taminahy sahala gny lain'gny piaraky agnondry gny aiko; naforiporisiko manahaky gny tenona gny aiko; manapaky anahy amin'gny fitova fagneno Hanao; eo ategnategnan'gny andro vo gny hariva Hanao gny manapisy gny aiko.13Nikiaky fatrasy zisiky maraindray zaho; manahaky gny liona gny famakiany reo tolako aby. Eo ategnategnan'gny andro vo gny hariva Hano gny manapisy gny aiko.14Mikororeky manahaky gny sidisidina zaho; mitolokoloko manahaky gny voroamilala zaho; rokaky miandra ambony gny masoko. Ry Tompo, ory zaho; apio zaho.15Ino gny tokony ho zakako? Sady nizaka izy, gny nagnatateraky anizay taminahy; hamindra moramora amin'gny tao hiaignako aby zaho akory totosy gny alahelo.16Ry Tompo, reo fizalia nalefanao dra soa ho anahy; ho ahery aminahy ndraiky anie gny aiko; napihery gny aiko vo gny fahasalamako Hanao.17Tombosoa ho anahy gny niaignako alahelo sahala an'iregny. Nagnavosy anahy tamin'gny lavaky gny faharava Hanao; fa nagnary gny fahotako aby ho agny an-damosinao Hanao.18Fa sy misaosy anao gny fiegna-sy hita; sy misiriry anao gny fahatesa; reo ze mizoso ao agnaty lavaky dra sy magnategna gny fahamendreham-pitokisanao.19Gny olombelo, gny olombelo, izy gny raiky zay nagmone fisora anao, manahaky gny ahiko amin'itiky andro tiky; ray mapahafatasy gny fahamendrem-pitokisanao amin'ireo zanaky.20Eo andalam-pamonze anahy i Yaveh, dra hakalaza amin'gnyn hira zahay amin'gny androm-piaignanay iaby ao an-tragnon'i Yaveh."21Dra ho Isaia: " Aoky ereo hangalaky apepan'aviavy dra hametraky anizay eo amin'gny bay, dra ho sitra izy."22Ho avo koa i Hezekia ho: " Ino gny ho famatara fa tokony hiakasy ho agny an-tragnon'i Yaveh zaho?"
Chapter 39

1Tamin'izay andro zay Merodaka-baladana zanadahin'i Baladana, pazakan'i Babylona, dra nandefa taratasy vo fagnomeza ho an'i Hezekia; akory reny fa narary i Hezekia vo sitra.2Faly tamin'ireo raha reo i Hezekia; natorony an'ireo panday hafasy gny tragno fitahiriza raha sarobidy---gny volafosy, gny volamena, reo raha magnisy vo menaky soa, gny tragno fitehirizany an'ireo fitovam-pialiany, vo ze iaby hita tao amin'ireo tragno fitehirizany. Sy nisy raha tao an-tragnony, na tao amin'gny fanzakany aby, ka sy natoron'i Hezekia andreo.3Boakeo Isaia paminany avy tagny amin'i Hezekia pazaka dra nagnotany anazy ho: " Ino gny zakan'ireo olo reo aminao? Boak'eza ereo?" Ho Hezekia ho: " Avy aminahy etoky boak'agny amin'gny firene lavis'i Babylona ereo."4Dra nagnotany Isaia ho: " Ino gny hitan'ereo tao an-tragnonao?" Nam,aly Hezekia ho: " Hitan'ereo aby gny raha aby tan-tragnoko tap. Sy nisy raha tamin'ireo rahako sarobidy ka sy natoroko andreo."5Dra ho Isaia tamin'i Hezekia ho: " Tenoy gny zakan'i Yaveh tompon'gny maro:6'Ingo, avy gny andro zay handesa gny raha aby ao amin'gny lapanao, reo raha ze nitehhirizin'ireo razambenao mandrak'androany ho agny Babylona. Sy hisy ho tavela, ho Yaveh.7Reo zanadahy naterakao, ze fa nitezanao---ho alany ero, dra hazary tandapa eo amin'gny lapan'gny pazakan'i Babylona ereo.""8Boakeo Hezekia nizaka tamin'i Isaia ho: "Soa gny zakan'i Yaveh ze fa noresahinao. "Fa nihevisy izy ho: "Hisy fiadagna vo fahamarignan-toera amin'gny androko."
Chapter 40

1"Hapaherezo, hapaherezo gny vahoakiko," ho gny Zagnaharindrareo.2" Miresaha mora amin'i Jerosalema; dra hambarao aminazy fa nizano gny aliny, fa voavela gny helony, fa nitakasy avo ro heny tegny an-tagnan'i Yaveh izy tamin'gny fahotany aby."3Nisy feo nitoka fatrasy ho: " Omano gny lalan'i Yaveh agny an'efisy; manaova lalam-be agny amin'gny tany foa ho an'gny Zagnaharisika."4Gny lohasaha aby dra hasandrasy, vo gny tendrombohisy vo gny havoa aby dra hakary; vo gny tany mideza ho lembalemba, vo reo tany saro-dala hazary temaky;5vo gny voninahis'i Yaveh dra ho apahafatary, vo gnyvahoaky aby hindray hahita anizay; fa gnny vavan'i Yaveh gny nizaka anizay.6Nisy feo nanao ho: "Tokavo." Nisy raiky namaly ho: "Ino gny toka tokony ahiko?" "Gnynofo aby dra ahisy, vo gny fifagneken'ereo dra manahaky gny vonikazo egny an-saha.7Maiky gny ahisy sady malazo gny vonikazo no fa misoky eo amin'izay gny fofon'ain'Agnahary; azo atoky fa ahisy gny olombelo.8Maiky gny ahisy, malazo gny vonikazo. fa gny zakan'Agnaharisika dra haharisy mandrakizay."9Miakara egny amin'gny tendrombohisy aby, ry Ziona, panday vaovao mahafaly. Manandrata feo fatrasy, ry Jerosalema. Hanao zay manday reo vaovao mahafaly, asandrato gny feonao, ka matahosy. Zakao amin'ireo tanan'i Joda ho: " Iho gny Zagnaharindrareo!"10Ingo, gny Tompo Yaveh avy manahaky gny lelahy pialy niboaky pandresy, vo gny sandriny mahery gny hanapaky ho anazy. Ingo, gny valisoany mandray aminazy, vo reo ze navotany dra mandeha eo agnoloany.11Hamaha gny agnondry aman'osiny manahaky gny piaraky agnondry Izy, hamory reo agnondry eo an-sandriny Izy, ka hilanza ireo am-pony ao, dra hitariky amin-kasoam -pagnahy reo agnondry vavy mapinono reo zanany.12Ia gny nandrefy gny rano teo am-pelatagnany, nandrefy gny lagnisy tamin'gny zehin'gny tagnany, nita gny botany tagnaty haro, nandanza gny tendrombohisy tamin'ireo fandanza, na reo havoa tamin'gny mozana?13Ia gny fa nahatakasy gny eriseris'i Yaveh, na nanoro lala Anazy manahaky gny panolonsay?14Boakamin'ia gny fa nandrambesany toro-lala? Ia gny napianasy Anazy gny fomba fanaova raha amin'gny tokony ho izy, vo napianasy Anazy fahalala, na nanoro Anazy gny fomba fahatakara?15Ingo,reo firene dra manahaky gny rano indraiky mitete agnaty siny, dra nitakary manahky gny botany eoambonin'gny fandanza; ingo, lanzainy manahky gny teboky masaiky reo nosy16Libanona dra apy ho oroa, ndreo reo bibidiany sy apy ahy fagnatisy oroa.17Gny firene aby dra sy feno eo agnatrehany; reo dra nitakary sahala gny sy misy.18Amin'ia se gny hapitahandrareo amin'Agnahary?19Sapy! namolavola anizay gny panao asa-tagna: gny panefy volamena dra nanao takela-bolamena sady nanefy rozo ho an'izay.20Mbo hanaova fanatisy dra misy raiky mifily hazo sy mety lo; mitalia panao asa-tagna mahay izy mbo hana sapy zay sy mety miroda.21Sy fatandrareo ra? Sy mbo rendrareo ra? Sy fa nizaka tamindrareo tagny am-piandoha se zay? Sy fa takandrareo ra zay tamin'gny fagnoregna gny tany?22Izy gny toka mipetraky ambonin'gny habakabaky gny tany; vo gny ponina dra manahky gny valala eo agnatrehany. Naniasy gny lagnisy manhaky gny lamba Izy dra nagnaparitaky anireo manahaky gny lay hitobohany.23Nipihe reo panapaky manahaky gny sy misy Izy dra nanao reo panapaky gny tany ho sy misy dikany.24Vo nambole ereo, vo nafafy, gny sapan'ereo dra vo mamaka tamin'gny tany, no fa nisoky teo amin'ereo Izy ka nalazo reo, dra nandesin'gny sioky manahaky mololo ereo.25Amin'ia se gny hapitahanao Aminaky, ia gny mitpvy Aminahy?" Ho GNy Masy.26Atio gny lagnisy! Ia gny namoro reo kinta aby reo? Mamoaky andreo amin'gny filaharany Izy dra mitoka anazy aby amin'gny agnarany. Tamin'gny halahiben'gny heriny vo tamin'gny tazaky gny fahefany, dra sy nisy raiky sy nipoisy.27Nagnino hanao, ry Jakoba, gny nizaka sady nagnambara tamin'Israely ho: "Gny lalako dra mmivony amin'i Yaveh, vo gny zagnahariko dra sy voakasiky gny fahamarignako? "28Sy fatandrareo ra? Sy rendrareo ra? Gny Zagnahary maharisy mandrakizay, Yaveh, gny namoro reo vazan-tany, dra sy mokosy na rokaky; sy misy fetriny gny fahalalany.29Magnome hery gny rokaky Izy; sady magnome hery vao ho an'ize marary.30Ndre gny tanora aza dra hazary mokosy vo rokaky, vo reo zatovo dra ho tafitohy ka hilavo:31Fa reo ze miamby an'i Yaveh dra hagnavao gny herin'ero; hitiky amin'gny elasy manahaky gny voromahery ereo; hilomay ereo dra sy ho rokaky; handeha ereo dra sy ho tora.
Chapter 41

1" Mitenoa am-pisigna magnoloa Anahy, handrareo moron-siraky; aoky hagnavao gny heriny reo firene; aoky ereo hagnato mariny dra hizaka; aoky sika hindray hagnariny so hifandahasy vo hialy hevisy.2 Ia gny nagnatena gny raiky lat'agny asignana, nitoka anazy am-pahamarigna ho amin'gnyfanopoany? Manolosy gny firene ho anazy Izy sady magnapy andreo handresy reo pazaka. Mamaliky andreo ho botany amin'gny mesany izy, manahaky gny mololo siofin'gny rivosy amin'gny sipikiny.3Magnitriky andreo izy dra tafita soa aman-sara, taming'ny lala soa ze sy nidian'gny tombony. 4Ia gny nanao vo nahavita reo asa reo? Ia gny napitoka reo taranaky hatragny am-piandoha? Zaho, Yaveh, gny volohany, vo mindray amin'ireo farany, Zaho gny Izy.5Nahita reo nosy dra natahosy; miovisovisy gny faran'gny tany; nagnato ereo dra avy. 6Samby magnapy gny namany gny olon'aby, vo gny olo aby nifapiresaky ho: 'Mahereza.' 7Koa dra mapahery reo panefy volamena gny pandrafisy, vo ze miasa amin'gny tantanana mapahery ze miasa amin'gny riandria, mizakan'gny solohoto ho: 'soa zeho.' Nifehazin'ereo tamin'gny fansiky zeho so dy hihozongozo.8Fa hanao, ry Israely, panopoko, ry Jakoba ze fa nifiliko, taranak'i Abrahama namako, 9hanao ze haheriko lat'amiz'gny fiafaran'gny tany, sady nitokaviko tamin'ireo toera lavisy, dra ze nizakako ho: 'Panopoko hanao;' Fa nifily anao Zaho dra sy nilaviko hanao.10Ka matahosy, fa miahy aniha Zaho. Ka mitebiteby, fa Zaho gny Zagnahariniha. Hapatazahako hanao, sady hagnapy aniha Zaho, dra hanoha aniha amin'gny tagnako akavana mary Zaho.11Ingo, ho megnasy sady ho afa-baraka reo aby ze ory aminiha; hanahaky gny sy misy ereo dra ho faty, ereo aby ze manohisy aniha.12Hitalia hanao fe sy hahita ereo ze nifandahasy taminiha; ereo ze nialy taminiha dra hanahaky gny sy misy dikany, vatany sy misy dikany. 13Fa Zaho, Yaveh Zagnahariniha, gny hta gny tagnaniha akavana, mizaka aminiha ho: 'Ka matahosy; fa hagnapy aniha Zaho.'14Ka matahosy, hanao ry Jakoba kankana, vo handrareo olon'Israely; fa hagnapy andrareo zaho--- zeho gny fagnambaran'i Yaveh, pagnavosy andrareo gny Raiky Masin'Israely.15 Ingo, ahiko hanahaky gny kodia vy maragnisy hanao, vosady ro-lela; hizera reo tendrombohisy hanao sady hanorotoro reo; hahiniha hanahaky gny akofa reo havoa.16Hikororoky andreo hanao, vo gny sioky handay andreo hiala; hagnaparitaky andreo gny sioky. hiravoravo amin'i Yaveh hanao, hiravoravo amin'gny Raiky Masin'Israely.17Mitalia rano reo ory vo mahantra, fe sy misy, vo gny lelan'ereo dra ho maiky nohon'gny hetaheta; Zaho, Yaveh, gny hamaly gny vavak'ereo; Zaho, Gny Zagnaharin'Israely, dra sy hahafo andreo. 18Hahavy gny renirano hikoria amin'gny hansa Zaho, vo loharano eo agnivon'gny lohasaha; hahiko dobon-drano gny tany hay, vo gny tany maiky ho loharano.19Agny amin'gny tany efisy gny hametrahako reo sedera, akasia, rotra, vo gny hazaon'Oliva. Hametraky gny kypreso egny amin'gny lemaky gny tany hay, mindray amin'ireo kesiky vo reo hazo kypreso Zaho. 20Hanao anizeho Zaho so hahita, hagneky, sady hiaraky hahatakasy gny olo, fa gny tagnan'i Yaveh gny nanao anizaho, vo gny Raiky Masin'Israely gny namoro anizeho.21" zakao gny mahakasiky aniha," ho i Yaveh, " aseho gny hevisiniha soa loasy ho an'ireo sapiniha," ho gny Pazaka an'i Jakoba. 22Aoky ereo handay gny hevis'ereo manoka; ampandrosoy ereo dra ambarao aminay ze miseho, so hahafataranay soa reo raha reo. ampagnambarao an'ereo aminay reo fagnambara voavina mialoha, so hahafahanay manao andreo ho fitarasy sady hahafataranay gny fomba nahataterahan'iregny.23Zakao reo raha mahakasiky gnyho avy, so hahafataranay fa zagnahary handrareo; manaova raha soa na rasy, so hahatahosy sady hiaky vola zahay. 24Ingo, sy misy dikany handrareo sapy vo gny asandrareo ra sy misy dikany; gny raiky ze nifily andrareo dra mapadikidiky.25Fa nananga raiky boaky agny avarasy Zaho, dra avy izy; boaky amin'gny fiposahan'gny masonadro gny hitokavako ze mitoka gny agnarako, sady hagnisaky reo panapaky manahaky gny fotaky izy, manahaky gny tanimanga.26 Ia gny nagnambara zeho hatragny am-piandoha, so hahafataranay? Alohan'izeho fotoa zeho, so hizakanay ho: "Mary izy"? Eka vatany, sy nisy nanao anizeho ho lalana ereo, eka, sy nisy nahare andrareo nizaka raha.27Ho Zaho tamin'i Ziona tamin'gny volohany: 'Ingo tahoky ereo;" nandefa panday hafasy tagny Jerosalema Zaho. 28Nofa magnety zaho, dra sy misy ndre ia ndre ia, ndre gny raiky eo amin'ereo ze afaky magnome toro-hevisy soa, ze, afaky hamaly zaka, nofa magnotany Zaho. 29Ingo, sy misy dikany izy aby, vo gny asan'ereo dra sy misy dikany; sioky vo zava-poa gny sary an'idin'ereo.
Chapter 42

1Ingo, gny panopoko, ze tantagnako; gny nifiliko, ao aminazy gny andrambesako sitraky. Fa napetrako teo aminazy gny Fagnahio; handay rariny eo amin'ireo firene izy. 2Sy hitaray na hihiaky izy, na hanao gny feony ho re an-dala.3Sy ho tapahiny gny volotara torotoro, vo sy ho vonony gny afon'gny ziro mirehisy: haganatateraky gny rariny amim-pahatokia izy. 4Sy hitombo harokafa izy na ho kivy mandra-pametrahany gny rariny ambonin'gny tany etihoky; vo gny tany amoronsiraky hiamby gny lalagnany.5zeho gny zakan'i Yaveh Zagnahary__ze namoro gny lagnisy sady nagnenza reo, gny nanao tany vo ze iaby vokariny, ze magnome fofonay ho an'gny olo amin'izeho vo fiaigna ho an'ireo ze miay eo amin'izeho ho: 6"Zaho, Yaveh, fa nitoka aniha tamin'gny fahamarigna sady hita gny tagnaniha. Hiamby aniha Zaho dra hametraky aniha manahaky gny faneke ho an'gny olo, manahaky gny fahazava ho an'ireo Zentilisa.7so hanokasy gny mason'gny poaky, so hagnafaky reo voafonza ao amin'gny tragno mezy, vo boaky amin'fny tragno fitobohan'ireo ze mitoboky ao min'gny ezy.8Zaho gny Yaveh, zeho gny agnarako; vo gny voninahisisko sy ho zarako amin'gny hafa na gny fisiriria Anahy ho amin'gny sapy voasikosy. 9Ingo, fa lasa gny rah taloha, amizao hagnambara rah vaovao amindrareo Zaho. Mialohan'gny hanomboan'ireo dra hizaka andrareo mahakasiky ireo Zaho."10Miansa hira vaovao ho an'i Yaveh, vo gny fiderany hatragny amin'gny faran'gny tany; handrareo ze mizoso agny amin'gny ranomasy, vo ze iaby aminazy ao, reo tany amoronsiraky, vo reo ze mivelo agny. 11Aoky hitaray gny efisy vo reo tana, gny tan ze honegnan'i Kedara, dra hikoraky amin'gny fifalia! Aoky hihoby gny ponin'i Sela; aoky hikoraky boaky eo an-tapon-tendrombohisy ereo.12Aoky hagnome voninahisy an'i Yaveh ereo sady hagnambara gny fiderany amin'gny tany amoronsiraky.13 Hiboaky manahaky gny pialy i Yaveh; manahaky gny lelahin'aly hapirisin'gny zotom-pony Izy. Hikoraky Izy, eka, hierosy amin'gny korakin'aly Izy; hasehony gny fahavalony gny heriny.14Fa nisigny Zaho hatrizay; fa nisigny Zaho sady nifehy gny vatako; amizao hitaray manahaky gny apela miteraky Zaho; miehakehaky sy avy miay.15 Hahiko lao gny tendrombohisiko vo gny havoa dra hagnamiky gny raha misisriny aby; dra hamaliky gny ony ho nosy Zaho vo hagnamaiky gny farihy.16Handay gny poaky amin'gny lala ze sy fatas'ereo Zaho ; amin'gny lala ze sy fatas'ereo gny hitaritako andreo. Hamaliky gny ezy ho mazava eo agnoloan'ereo Zaho, sady hanao gny toeran'gny meloky ho mary. Reho raha reho hahiko, sady sy hanenga andreo Zaho.17Hihery ereo, dra ho afa-baraka tateraky, reo ze matoky gny sarin-draha voasokisy, ze mizaka gny sarin-draha narendriky tamin'gny vy ho: "Handrareo gny zagnaharinay."18Mitenoa, handrareo ry maregny; dra magnitia, handrareo poaky, so hahita. 19Ia gny poaky fe panopoko? Na maregny manahaky gny panday hafasy nirahiko? Ia gny poaky manahaky gny sakezam-pagnekeko, na maregny manahaky gny panopon'i Yaveh?20Maro gny raha hitandrareo, fe sy takasindrareo; manongila-sofy, fe sy misy mahare. 21Nahafaly an'i Yaveh gny misiriry gny fahamarignany vo gny magnome voninahisy gny lalagnany.22Fe tihoky dra vahoaky nangala vo voaroba; voafandriky agny amin'gny lavaky aby ereo, nitana ho babo tao am-ponza; fa nazary voaroba ereo dra sy misy ndre ia ndre ia hagnavosy anazy, dra misy mizaka ho: " Aheregno ereo!"23Ia amindrareo reo gny hiteno anizeho? Ia gny hiteno sady hahare amin'gny ho avy?24 Ia gny nagnome an'i Jakoba ho an'ireo malaso, vo gny Israely ho amin'gny pandroba? Sa ra zeho sy i Yaveh, ze fa nanotasika, ze nilavin'ereo andehan gny lalany, vo ze nilavin'ereo harahy gny lalagnany?25Noho zeho dra nararakiny tamin'ereo gny firehetan'gny hahoriany, mbamin'gny fandravan'gny aly. Niredareda nagnodidy andreo zeho, fe sy nahafatasy zeho ereo; dra nagnoro andreo zeho, fe sy nirambesin'ereo am-po zeho.
Chapter 43

1Fa androany dra zeho gny zakan'i Yaveh, Izy ze namoro aniha, ry Jakoba, vo Izy ze nagnamboasy aniha, ry Israel: " Ka matahosy, fa nagnavosy aniha Zaho; fa nitok aniha Zaho, Anahy hanao."2No mandeha mamakivaky gny rano handrareo, dra ho eo amindrareo Zaho; vo amin'ireo renirano, dra sy hanafosy andrareo regny. Nofa mandeha mamakivaky gny afo handrareo dra sy ho ma, dra sy handrava andrareo gny lelafo. 3Fa zaho gny Yaveh Zagnaharindrareo, gny Raiky Masin'Israely, Pamonzindrareo. Nomeko hanahaky gny vilim-pagnavotandrareo i Egypta, i Etiopia vo i Seba ho fifindrareo.4Fa sarobidy sady miavaky eo amasoko handrareo, tiako handrareo; noho zeho dra hagnome olo ho fifindrareo Zaho, vo vahoaky hafa ho fifin'gny aindrareo. 5Ka matahosy, fa miahy andrareo Zaho; handay gny taranakindrareo boaky agny asinagna Zahp, sady hamory andrareo boaky agny andrefa.6Hizaka amin'gny avarasy Zaho ho: 'Afaho ereo' , vo amin'gny asimo ho: 'Ka misy tana;' Andeso agny lavisy reo zanako lelahy, vo zanako apela lat'agny amin'ireo faritany lavisy gny tany,7 gny kiraikiraiky ze nitokavy tamin'gny Agnarako, ze nihariako ho an'gny voninahisiko, ze namboariko, eka ze nahiko.8Aboaho reo olo ze poaky, ndre dra mana-maso aza ereo, vo reo maregny, ndre dra manan-sofy aza ereo. 9Miaraky mivory gny firenen'aby, sady mivory gny vahoaky. Ia amin'ereo gny afaky nagnambara anizeho vo nagnambara taminay reo tranga teo aloha? Aoky ereo handay gny vavolombelony so hagnaporofo mary andreo, aoky ereo hiteno sady hagnamafy ho: 'Mary zeho.'10Magnambara i Yaveh ho: 'Handrareo gny vavolombeloko, vo panopoko ze nifiliko, dra tokony hahafatasy sady hino Anahy handrareo, vo hahatakasy fa Zaho gny IZy. Sy nisy zagnahary voaforo talohako, dra sy hisy afarako ao. 11Zaho, Zaho gny Yaveh, dra sy misy Pamonzy ankoasy Anahy.12Fa nagnambara Zaho, namonzy, dra nagambara am-pahibemaso, dra sy misy zagnaharin-kafa amindrareo eo. Handrareo gny vavolombeloko," ho i Yaveh, " Zaho gny Zagnahary. 13Hatramin'iho andro iho dra Zaho gny Izy, dra sy misy afaky magnavosy an'ia na ia eo tagnako. Miasa Zaho, vo ia gny afaky hamaliky anizeho?"14Zeho gny zakan'i Yaveh, Pagnavosy andrareo, gny Raiky Masin'Israely. "Fa noho gny amindrareo gny handefasako agny Babylona vo hitarihako andreo aby hizoso manahaky gny pielfa, hamaliha gny fanehian'ireo Babylona hafalia ho hiram-pitomagnia. 15Zaho gny Yaveh, gny Raiky Masindrareo, Pamoro an'i Israely, Pazakandrareo."16Zeho gny Zakan'i Yaveh( zay nanokasy lala namakivaky gny ranomasy vo lala teo amin'gny rano mahery, 17ze namoaky gny kalesy vo gny sovaly, gny tafiky vo gny miaramila mahery. Nindray lavo ereo; sy hisanga sasy ereo; maty ereo, misilopilopy manahaky gny lahin-ziro.)18" Ka mieriserisy mahakasiky regny raha taloha regny, na mahasiaro reho raha taloha fa ela. 19Ingo, Zaho fa manao raha vaovao; fa hanomboky miseho zeho amizao; sy mahalala anizeho se handrareo? Hanao lala agny an-tany efisy vo rian-drano agny an-tany karakay Zaho.20Hagnome voninahisy Anahy gny bibidia an-saha, reo amboadia vo reo ostritsa, akory magnome rano an-tany karakay Zaho, vo renirano agny an-tany efisy, so hinomin'gny vahoaky voafiliko, 21reo vahoaky ze nivolavolako ho Anahay avo, famety hitatara gny fisiriria Anahy ereo.22Fa sy hitoka Anahy hanao, ry Jakoba; rokaky gny Aminahy hanao, ry Israely. 23Sy bo nanday tamin'ireo agnondrindrareo ho fagnatisy oroa ho Anahy handrareo, na nagnome voninahisy Anahy tamin'ireo sorondrareo. Sy nagnavesasy andrareo tamin'gny fagnatisy vary Zaho, na nandrokaky andrareo tamin'gny fangataha ditin-kazo magnisy.24Sy nivily veromagnisy ho Anahy tamin'gny vola handrareo, nandraraky Taminahy gny zaboran'ireo sorondrareo; fa nagnavesasy Anahy tamin'gny fahotandrareo handrareo, nandrokaky Anahy tamin'ireo asa rasindrareo.25Zaho, eka, Zaho, Gny mamono gny fandikan-dalandrareo noho gny Aminahy avo; dra sy hahasiaro gny fahotandrareo sasy Zaho. 26Apasiahivo Anahy ze nitranga. Aoky sika hiaraky hifandahasy; asehoy gny hevisindrareo, fa vasa ho voaporofo ho sy manan-signy handrareo.27Nanota gny randrareo volohany, dra nikomy taminahy reo loholondrareo. 28Noho zeho dra holotoviko reo manam-pahefa masy; hanao an'i Jakoba ho ripaky tateraky Zaho, vo i Israely amin'gny fangalam-baraka mahery setra."
Chapter 44

1Mitenoa amizao, ry Jakoba panopoko, vo ry Israely, ze nifiliko: 2Zeho gny zakan'i Yaveh, Izy ze nanao aniha sady namolavola aniha tao am-bohoky sady ze hamonzy aniha ho: "Ka matahosy, ry Jakoba panopoko; vo hanao, ry Jesorona, ze nifiliko.3Fa handasaky rano amin'gny tany mangetana, vo rian-doharano amin'gny tany maiky Zaho; handasaky gny Fagnahiko amin'gny zanakiniha Zaho, dra ho amin'ireo zanakiniha gny fitahiako. 4Hisimoky eo amin'gny ahisy, manahaky gny hazomalahelo eo agnilan'gny rian-drano ereo.5Gny raiky hizaka ho: 'An'i Yaveh zaho', vo gny hafa hitoka fatrasy gny agnaran'i Jakoba, vo gny hafa hanorasy eo amin'gny tagnany ho: 'An'i Yaveh', dra hitoka gny vatany amin'gny agnaran'i Israely."6Zeho gny zakan'i Yaveh--- gny Pazakan'gny israely vo Pagnavosy anazy, dra Yaveh Tompon'gny maro: " Zaho gny volohany, sady Zaho gny farany; dra sy misy Zagnahary laha sy Zaho.7Ia gny manahaky Anahy? Aoky izy hizaka anizeho dra hagnazava Aminahy reo raha ze nitranga hatramin'gny nagnorenako gny vahoakiko taloha, dra aoky ereo hagnambara reo raha ho avy.8Ka matahosy na miahiahy. Sa ra Zaho sy fa nagnamabara tamindrareo tagny aloha tagny , dra nizaka anizeho? Vavolombeloko handrareo: Sa ra misy Zagnahary laha sy Zaho? Sy misy Vatolapy hafa; sy mahafatasy ndre raiky aza Zaho."9Gny iaby ze mamboasy sapy dra sinosino; raha fahatany reo raha ankasitrahany; gny vavolombelon'ereo dra mahita na mahay ndre ino ndre ino, dra halaim-baraka ereo. 10Ia gny hamolavola zagnahary na hagnamboasy sapy zay raha fahatany?11Ingo, gny piara-miasa aminazy aby dra halaim-baraka aby; reo panao asa tagna dra olo avo koa. Aoky ereo hiara-hizoro; hatahosy ereo dra halaim-baraka.12Gny panefy dra miasa amin'ireo fitovany, mamolavola anizeho, miasa amin'gny arigny. Mamolavoa anizeho amin'gny tantana sady miasa anizeho amin'gny sandriny mahery izy. Resy izy, dra mihe gny tanzany, sy mino rano izy dra manzary rokaky.13Mandrefy gny hazo amin'gny fisipiha gny pandrafisy, sady misokisy anizeho amin'gny fandraka. Mamolavola amin'ireo fitovany izy dra magnamriky anizeho amin'gny kompa. Mamolavola anizeho hanahaky gny tarehin'olo izy, manahaky gny olombelo maninto, so hitoboky ao an-tragno zeho.14Manapaky sedera izy, na mifily hazon-kypreso na hazo terebinta. Mangalaky hazo agny an'ala ho anazy izy. Mamboly kesiky izy dra mapisiry anizeho gny ora.15Dra apesan'gny olo hapireheta afo vo hamindroa zeho. Eka, mandrehisy afo izy dra manao mofo. Dra manao zagnahary amin'izeho izy dra miankohoky amin'izeho; manao sapy izy dra miankohoky amin'izeho. 16Magnoro gny sasany amin'gny hazo hapireheta afo izy, mitono gny henany amin'izeho. Mihina izy dra afa-po. Mamindro izy dra manao ho: "Aha, mafana zaho, fa nahita afo zaho."17Amin'gny hazo sisa tavela gny agnamboarany zagnahary, gny sariny voasikotry miankohoky eo amin'izeho izy sady magnaza anizeho, dra mivavaky amin'izeho manao ho: "Avoty zaho, fa hanao gny zagnahariko."18Sy mahafatasy, na mahatakasy ereo, fa poaky gny mason'ereo dra sy mahita, sady sy mahay gny fon'ereo.19Sy misy mihevisy, na mahazo ereo dra manao ho: "Fa nagnoro gny sasany tamin'gny hazo tao agnatin'gny afo zaho; eka, fa nanao mofo teo ambonin'gny arigny avo koa zaho. Fa nitono hena teo amin'gny arigny zaho dra nihina. Amizao, tokony hanao raha mapadikidiky amin'gny hazo hafa sasany so ho tompoy se zaho? Tokony hiankohoky amin'gny vatan-kazo se zaho?"20Manahaky gny ho mihina lavenoky izy; mapivio anazy gny fony voafitaky. Sy afa-mamonzy gny vatany izy, na manao ho izy: "Tihoky raha an-tagnako havagna eto tihoky dra zagnahary sy izy."21Hevero gny mahakasiky reho raha reho, ry Jakoba, vo ry Israely, fa panopoko hanao: fa namolavola aniha Zaho; panopoko hanao: ry Israely, sy ho alignoko hanao. 22Novonoko, manahaky gny raho matevy, reo asa fikomianiha, vo manahaky gny raho, reo fahotaniha, vo manahaky gny raho, reo fahotaniha; miheregna Aminahy, fa nagnavosy aniha Zaho.23Miansa, handrareo ry lagnisy, fa Yaveh gny nanao anizeho; mikiaha, handrareo ry halalikin'gny tany. Mihobia amin'gny fihira, handrareo ry tendrombohisy, hanao ry ala mbamin'gny hazo iaby ao; fa navotan'i Yaveh i Jakoba, dra hahita gny voninahisiny ao Israely.24Zeho gny zakan'i Yaveh, Pagnavosy aniha, Izy ze namolavola aniha hatrao am-bohoky: "Zaho gny Yaveh, ze nanao gny raha aby, ze Zaho raiky gny nagnenza gny lagnisy , ze Zaho raiky gny nagnamboasy gny tany. 25Zaho ze magnafoa gny famataran'ireo pizakazaka fahatany vo ze magnala-baraka reo ze mamaky famatara; Zaho ze mandrava gny fahendren'gny hendry vo manao gny torohevis'ereo ho hamola.26Zaho, Yaveh, ze magnafatrasy reo zakan'gny panoponu sady mapandalo reo faminanian'ireo iraky , ze mizaka amin'i Jerosalema ho: 'Honegna izy', vo an'ireo renivohis'i Joda ho: 'Hasanga ndraiky ereo, gra hapiary gny faharavany Zaho'; 27ze mizaka amin'gny ranomasy laliky ho: 'Aoky ho risy, dra ho risaiko reo oniniha.'28Yaveh gny ze mizaka an'i Kyrosy ho: 'Izy gny piaraky agnondriko, hanao gny fagniriako aby Izy, handily gny amin'i Jerosalema Isy ho: 'Hasanga ndraiky izy' vo amin'gny tepoly ho: 'Aoky haory reo fotosiniha.'"
Chapter 45

1Zeho gny zakan'i Yaveh amin'gny voahosony, amin'i Kyrosy, ze tanako amin'gny tagnany akavagna, so haharesy reo firene eo agnatrehany, so hapilavo lefo gny pazaka, vo so hanokasy gny vatrangara eo agnoloany, so hizano hisokasy reo vavahady.2" Handeha eo agnoloaniha zaho dra hapahisy reo tendrombohisy; ho tapatapahiko reo vatrangara saba vo ho potepotehiko reo bara vy, 3vo homeko aniha reo haren'gny ezy vo gny harena nivony, so hahafataraniha fa Zaho, Yaveh, gny mitoka aniha amin'gny agnaraniha, dra Zaho, gny Zagnaharin'Israely.4Noho gny amin'i Jakoba panopoko, vo Israely voafiliko, dra nitoka aniha tamin'gny agnaraniha Zaho: nagnome aniha agnaram-boninahisy, ndre dra sy nahafatasy Anahy aza hanao. 5Zaho gny Yaveh, sady sy misy hafa; sy misy Zagnahary ankoasy Anahy. Zaho gny apisiky aniha ho amin'gny aly, Ndre dra sy nahafatasy Anahy aza hanao; 6so hahafataran'gny olo hatragnu amin'gny fiposahan'gny masoandro, ka hatragny andrefa, fa sy misy zagnahary ankoasy Anahy: Zaho gny Yaveh, dra sy misy hafa.7Zaho gny nanao gny mazava sady nahary gny ezy; Zaho gny manday fiadagna sady mahavy loza; Zaho gny Yaveh, ze manao zeho raha iaby zeho. 8Handrareo ry lagnisy, aoky hanora lat'agny ambony! Aoky gny habkabaky hanora fahamarigna. Aoky gny tany hitroka anizeho, so hisimoky mindray amin'izeho gny famonze, sady hindray hisiry amin'izeho gny fahamarigna. Zaho, Yaveh, gny nahary andreo.9Loza ho an'ize iaby mialy amin'ize nanao anazy, amin'ize manahaky gny vilagny tany eo agnivon'ireo vilagny tany hafa eo amin'gny tany avo! Sa ra gny tanimanga bo hizaka amin'gny panefy tanimanga ho: 'Ino amboariniha tahoky?' na 'Sy mahafehy anizeho gny asaniha'?10Loza ho an'ize mizaka amin'gny raiky ho: 'Ino aterakiniha tihoky?' na amy apela ho: 'Ino aboakiniha tihoky?'11Zeho gny zakan'i Yaveh, gny Raiky Masin'Israely, Pahary anazy: 'Nagnino hanao gny nametra-pagnotania gny amin'ize ahiko ho an'gny zanako? Mizaka aminahy ze tokony hahiko mahakasiky reo asan'gny tagnako se hanao?12'Zaho gny nanao gny tany dra nahary gny olo teo amin'izeho. Gny tagnako gny namelasy gny lagnisy, vo Zaho gny nandily gny vasia aby so hipoisy.13Zaho gny nagnatena an'i Kyrosy tamin'gny fahamarigna, vo Zaho gny hanalama gny lalany aby. Izy gny hananga gny tanako; izy gny hapoly reo oloko sesitany, dra sy misy viliny na kolikoly," ho i Yaveh tompon'gny maro.14Zeho gny zakan'i Yaveh: "Gny fidiram-bolan'i Egypta vo gny etam-baros'i Etiopia mbamin'ireo Sabeana, ze olo lava ranzagna, dra ho andesy eo aminiha. Ho aniha reo. Hagnaraky aniha regny, handeha mindray amin'gny gadra vy. Hiankohoky eo aminiha regny dra hifona aminiha hanao ho: 'Mindray aminiha vatany Zagnahary, dra sy misy hafa ankoasy Anazy."' 15Mary vatany fa Hanao gny Zagnahary zay magnavony gny vataniha, ry Zagnaharin'Israely, Pamonzy.16HIndray megnasy vo ho afa-baraka aby regny; reo ze manao sapy voasokisy dra handeha amin'gny fahafaham-baraka. 17Fa ho avotan'i Yaveh amin'gny famonze mandrakizay Israely; sy ho megnasy na ho efa-baraka sasy hanao.18Zeho gny zakan'i Yaveh, ze nahary gny lagnisy, zay Zagnahary mary ze nahary gny tany sady nanao anizehp., ze nagnory anizeho. Izy gny nahary anizeho, sy manahaky gny fakofako, fa nahiny so ho azo hitoboha: "Zaho gny Yaveh, sady sy misy hafa.19Sy nizaka mangingiky, tagny amin'gny toera mivony Zaho; sy bo nizaka tamin'gny taranak'i Jakoba Zaho ho: 'Taliavo fahatany Zaho!' Zaho gny Yaveh, ze mizaka mary; raha mary gny ambarako.20Vorio gny vatandrareo dra avia! Miarah-mivory, handrareo pilefa-ponenga lat'agny amin'ireo firene! sy bo manam-pahalala, ereo ze manday sary sady mivavaky amin'gny zagnahary ze sy afa-mamonzy.21Magnakekeza dra ambarao aminahy zeho, andeso gny porofo! Aoky ereo hindray hikononkono. Ia gny napiseho zeho fatry gny ela? Ia gny nitory anizeho? Sy Zaho Yaveh se? Sy misy Zagnahary laha sy Zaho, dra Zagnahary mary sady Pamozny; sy misy hafa ankoasy anahy.22Miheregna aminahy dra aoky ho voavonzy , ry faran'gny tany aby; fa Zaho gny Zagnahary dra sy misy ankoasy Anahy. 23Mifata amin'gny vatako Zaho, mizaka gny lalagna mariko, dra sy hihemosy anizeho: 'Aminahy gny hitolefiky gny pokopoko aby, vo hifata gny lela aby.24Hizaka gny Aminahy ereo ho: "Ao amin'i Yaveh raiky avo gny famonze vo gny hery.""' Ho megnasy aby ereo ze ory aminazy. 25Ao amin'i Yaveh gny hagnamarigna gny taranak'Israely aby; ao aminazy gny hireharehan'ereo.
Chapter 46

1Miankohoky i Bela, mitagnondriky i Nebo; reo sapin'ereo dra andesin'gny biby fiteza vo biby folahy. Reo sapy ze andesindrareo reo dra eta-mavesatry ho an'gny biby rokaky. 2Mindray miondriky ereo, mindray mandohaliky; dra sy mahavonzy gny etany, vo ereo dra fa nazary babo.3Tenoy zaho, ry taranak'i Jakoba, ry taranak'Israely sisa aby, ze fa nandesiko, ze nadesiko, mialoham'gny fahaterahandrareo, fa nibabeko hatrany am-bohoky. 4Eka ndre dra amin'gny taom-pahatenrandrareo aza, dra sy miova Zaho, mandra-paha fosy gny volondrareo dra handay andrareo Zaho. Nahary andrareo Zaho dra hitrotro andrareo; handay andrareo Zaho dra hagnavosy andrareo.5Amin'ia gny hapitahandrareo Anahy? Ia gny heverindrareo fa mitovy aminahy, dra azo apitahay zahay? 6Nandraraky volamena lat'ao agnaty kitapo gny vahoaky sady nandanza anizeho teo amin'gny mizana.Magnakarama panefy vy ereo, dra magnamboasy anizeho ho zagnahary izy, miankohoky sady manopo anizeho ereo.7Mapiakasy anizeho eo an-sorony ereo dra manday anizeho, mametraky anizeho eo amin'gny toerany ereo, mizoro eo amin'gny toeranyzeho dra sy mihesiky eo. Mitaray amin'izeho ereo, fe sy afaky mamaly na mamonzy ndre ia ndre ia amin'gny lozany zeho.8Hevero gny mahakasiky reo raha reo; ka sinosinoavy reo, ry pikomy! 9Hevero gny mahakasiky reo raha reo vo sy ela, reotamin'gny fotoan-dasa, fa Zaho gny Zagnahary, dra sy misy hafa, Zaho gny Zagnahary, dra sy misy ndre ia ndre ia mitovy aminahy.10Ambarako agny am-piandoha gny fiafara, dra mialohan'izeho mbo sy niseho; Zaho manao ho: "Ho tateraky gny fikasako, dra hanao araky ze fagniriako Zaho." 11Tokaviko lat'agny asinagna gny voro piremby, vo gny olo voafiliko lat'agny amin'gny tany lavisy; eka, fa nizakako; dra ho taterahiko; fa natolosiko, dra hahiko avo koa zeho.12Mitenoa Anahy, handrareo ry vahoaky mafy hatoky, ze lavisy gny fanaova gny mahisy. 13Mapagnariny gny fahamarinako Zaho; sy lavisy zeho, dra sy mandigny gny famonzeko; dra hagnome gny famonze ho an'i Ziona vo gny hasarako ho an'i Israely Zaho.
Chapter 47

1Mizosoa dra mitoboha eo amin'gny botany, ry zanaky vavy virizin'i Babylona; mitoboha eo amin'gny tany sy misy fiandriana, ry zanaky vavin'gny Kaldeana. Sy ho tokavy ho kanto vo marefo sasy handrareo. 2Rambeso gny fikosoham-bary dra mandisana vary; alao gny voalindrareo, alao gny akazo lavandrareo, aboridagni gny tombondrareo, dra miapita gny renirano.3Hiseho gny fitanzahandrareo, eka, gny hegnasindrareo dra ho hita: hamaly faty Zaho dra sy hamindra fo amin'olo.4 Gny Pagnavosy asika, Yaveh tompon'gny maro gny agnarany, gny Raiky Masin'Israely. 5Mitoboha amin'gny mangiky dra mandehana agny amin'gny mezy, ry zanaky vavin'gny Kadeana; fa handrareo dra sy ho tokavy ho andriam-bavin'gny fanzaka sasy.6Ory amin'gny vahoakiko Zaho; nandoto gny lovako Zaho sady nagnome reo ho eo an-tagnandrareo, fe sy naneho fiantra tamin'ereo handrareo; nametraky zioga mavesasy tamin'gny antisy handrareo. 7Ho handrareo ho: "Hanapaky mandrakizay manahaky gny fiandrianan'gny andriambavy zaho." Sy nandramby reo raha reo tamin'gny fo handrareo, na nohevisy ze ho fivalihany.8Koa tenoy zao amizao, handrareo ze tia fahafinareta vo mitoboky am-pilamina; handrareo ze manao anakam-po ho: "Misy zaho, dra sy misy manahaky anahy; sy ho mananom-bata mihisy zaho, na hiay gny fahaverezan-zanaky mihisy."9 Fa tahoky raha ro tahoky dra ho avy tapoky amindrareo ao agnatin'gny raiky andro: ho avy amindrareo amin'gny fahafenoan-kery gny fahaverezan-zanaky vo gny sy fanagnam-baly sasy, ndre dra eo aza gny famosaviandrareo vo reo fandraikiraikindrareo vo reo aolindrareo.10Nahatoky gny faharasiandrareo handrareo; ho handrareo ho: "Sy misy mahita anahy"; gny fahendrendrareo vo gny fahaizandrareo gny mitariky andrareo agny amin'gny lalan-diso, fa ho handrareo manao am-po ho: "Misy zaho sady sy misy ndre ia ndre ia mitovy aminahy." 11Handresy andrareo gny loza; sy hahavita handroaky anizeho handrareo vo gny fandraikiraikindrareo. Ho ao amindrareo gny fahapoteha; sy hahavita hamafa anizeho handrareo. Hizera tapoky andrareo gny loza, mialohan'gny hahafatarandrareo zeho.12Mahareta amin'gny fanaovandrareo fagnozona vo gny famosaviandrareo ze nahindrareo sianzery tamim-pahatokia hatramin'gny fahazazandrareo; mety hahomby handrareo, mety hatahosy loza handrareo. 13Rokaky handrareo nohon'gny fangalan-kevisy; aoky hizoro reo olo reo dra hiaro andrareo_reo ze miandrandra gny lagnisy sady magnety gny vasia, reoze magnambara vola vaovao_aoky ereo hamonzy andrareo amin'ize hoseho amindrareo.14Ingo, hazary mololo ereo. Hagnoro andreo gny afo. Sy hahavonzy gny ainy eo an-tagnan'gny lelan'efo ereo. Sy hisy bain'afo hagnafanaandreo sady sy hitoboku agnilan'gny afo ereo! 15Zeho gny fa nahavy andreo ho amindrareo, reo ze fa niara-niasa tamindrareo, say niara-nivily vo iara-nivarosy tamindrareo fony tanora handrareo, vo izy aby dra bo manao gny hamolany avo; dra nofa mitoka vonzy handrareo, dra sy hisy ndre ia ndre ia afaky hamonzy andrareo."
Chapter 48

1Mitenoa zao, ry taranak'i Jakoba, ze nitokavy tamin'gny agnaran'gny Israely, vo ze boaky tamin'gny ranon'ain'i Joda, hanao ze mifata amin'gny agnaran'i Yaveh sady mangataky gny Zagnahary gny Israely, fe sy tamin-kisipo na fomba mary. 2Fa mitoka gny vatany gny vahoakin'gny tana masy ereo sady matoky an'Agnahry gny Israely. Yaveh Tompon'gny maro gny agnarany.3" Fa voazakako gny raha tamin'gny taloha; naloaky gny vavako ereo, sady napallaza andreo Zaho; Dra tapoky gny nanaovako andreo sady avy bo andalo ereo. 4Akory nahafatasy Zaho fa be-dia-doha hanao, gny hozasy gny hatokiniha dra manahaky gny vy, vo gny handriniha dra manahaky gny saba. Ko dra nambarako taminiha mialoha zeho raha zeho, 5mialohan'gny isehoan'izeho dra fa nizaka aniha Zaho, dra sy tokony hizaka hanaoho: 'gny sapiko gny fa nanao andreo,' na 'gny sari-sokiso vo sarin-drahako an'idina gny nandily zeho raha zeho.'6Fa nahare anizeho raha zeho hanao; atio gny porofon'izeho raha zeho, vo hanao, sy hagneky se hanao fa zay voazakako dra mary? Manomboky zao, mapiseho aniha raha vaovao Zaho, raha mivony ze sy bo fataniha. 7Vo zao, dra sy tamin'gny teo aloha, akory avy ereo, vo gny talohan'gny androany dra sy bo nahare gny mahakasiky andreo hanao, dra sy afaky gny hizaka hanao ho, 'eka, zaho mahafatasy andreo.'8Sy bo nahare mihisy hanao; sy nahay hanao; zeho raha zeho dra sy nahy ho an'gny sofiniha mialoha. Fa fataniha fa hanao dra tena pamitaky,sady fa pikomy hatragny an-troky.9Fa nohon'gny agnarako dra leferiko gny hahoriako, vo nohon'gny voninahisiko gny hisalsalako gny amin'gny fandrava aniha.10 Ingo, voalioko hanao, fe sy manahaky gny volafosy; fa nagnadio aniha tao amin'gny lafaoron'gny fahoria Zaho. 11Nohon'gny vatako, eka nohon'gny vatako gny hanaovako anizeho; fa akory gny anengako gny agnarako ho fahafaham-baraka? Sy homeko olon-kafa gny voninahisiko.12Mitenoa anahy, ry Jakoba, vo ry Israely, ze nitokaviko: Zeho gny izy; Zaho gny volohany, vo Zaho avo koa gny farany. 13Eka, gny tanako mametraky gny fagnorena eo amin'gny tany, vo gny tagnan'gny olo mary hovelary amin'gny lagnisy; Nofa mitoka andreo Zaho, dra mindray misanga ereo.14Mivoria handrareo, handrareo iaby, dra mitenoa! Ia teo amindrareo gny fa nagnambara anizeho raha zeho? Ze tian'i Yaveh gny hagnataterako gny tanzony hanohisy an'i Babylona. Hagnatateraky ze tian'i Yaveh hanohera reo Kaldeana. 15Zaho, fa nizaka zaho, eka, fa napitoka anazy Zaho, fa nanday anazy Zaho, dra hahomby izy.16Mandehana akekiko eto, mitenoa zeho: Hatragny am-piandoha gny fa sy nizakako tamin'gny mangingiky; nofa miseho zeho, dra eto Zaho." Amizao Yaveh Tompon'gny maro gny nagniraky anahy, vo gny Fagnahiny.17Zeho gny nambaran'i Yaveh, pagnavosy aniha, gny Toka Masin'gny Israely: "Zaho gny Yaveh Zagnahariniha, ze mapianasy aniha hahomby, ze mitariky aniha amin'gny lala ze tokony andehananiha. 18No ba fa nagneky gny liliko hanao! Dra fiadananiha vo gny fagnambinaniha gny hikoria sahala gny ony, vo gny famonzeniha dra sahala reo onzan-dranomasy.19Sy ho hita isa sahala gny fasiky reo taranakiniha, vo gny zanaky aloaky gny trokiniha hitovy isa sahala gny sombim-pasiky; gny agnaran'ereo dra sy ho tapaky na ho foa boaky eo agnoloako.20Miboaha hiala agny Babylona! milefasa reo Kaldeana! Ambarao amin'gny feo koraky zeho! Ahivo malaza zeho, aelezo hatragny am-paran'gny tany zeho! Zakao ho: 'Fa nagnavosy an'i Jakoba panopony i Yaveh,'21Sy nangetahateha ereo no nandesiny tany an'efisy; napikoria gny rano boaky tamin'gny vatolapy ho andreo izynapitresaky gny vatolapy izy, dra niboiboiky reo rano.22 Sy misy fiadana ho an'gny rasy fagnahy-hoy Yaveh."
Chapter 49

1Mitenoa anahy, hanao ry nosy! Androany hevero zaho, handrareo ry vahoaky alavisy. Fa nitokavin'i Yaveh hatramin'gny nahaterahako tamin'gny agnarako zaho, nofa nanday anahy ho eto an-tany gny reniko. 2Nahiny manahaky gny mesa maragnisy gny vavako; navoniny tao amin'gny alky gny tagnany zaho; nahiny sahala gny zana-sipiky vaolangolango zaho, naganvoniany anahy.3Nizaka taminahy izy ho: "Hanao gny panopoko, Israely, ze hanehoako gny voninahisiko." 4Fa namaly zaho ho: "No nihevisy zaho ho niasa tam-pikiriza, dra nandany gny heriko tamin'gny raha fahatany zaho, fa ao amin'gny Yaveh gny rariny ze anahy, vo gny valin'gny asako dra ao amin'Agnahariko.5Ndroany Yaveh dra mizaka _IZy gny namoro anahy hatramin'gny nahaterahako ho panopony, so hapihery amin'gny laoniny ndraiky an'i Jakoba ho anazy vatany, dra hapitambasy gny Israely ho eo aminazy, fa omem-boninahisy eo amason'i Yaveh zaho, dra nazary heriko gny Zagnahariko_ 6dra ho izy: "Raha keliky aminiha ny ho panopoko ze hagnory ndraiky gny fokon'i Jakoba dra hapihery reo sisa sy maty amin'gny Israely. Hanao ho fahazava aniha amin'gny Jentilisa Zaho, hanao ze mety ho famonzeko agny am-paran'gny tany."7Zeho gny zakan'i Yaveh, pagnavosy gny Israely, gny Msiny Raiky, amin'gny raiky ze mana fiaigna voasinosino, halan'ireo firene, sady andevon'gny pazaka hanao dra hisana, Dra hahita aniha reo andria dra hiankohoky, noho i Yaveh ze mahatoky, ndre dra gny Raiky Masin'Israely, ze nifily aniha aza."8Zeho gny zakan'i Yaveh: "Amin'gny fotoa ze hanapahako hevisy hanehoako gny fankasitrahako dra hamaly aniha Zaho, vo amin'gny andron'gny famonze dra hagnapy aniha Zaho; hiairo aniha Zaho, sady hagnome aniha manahaky gny faneke ho an'gny vahoaky, so hananga ndraiky gny tany, so hanendry ndraiky gny lova fa lao.9Hizaka amin'ireo gadra hanao ho: 'Magnatogna;' reo ze ao agnatin'gny tagno mezy ho: "Aseho gny vatandrareo". Hihina egny amin'ireo lala ereo, vo reo hansagny mangadihady aby dra ho ahisy ho andreo.10Sy ho resy na hangetaheta; na hafana be na ho zeran'gny masoandro ereo, fa Izy ze mana famindram-po amin'ereo gny hitariky andreo; hitata andreo ho agny amin'ireo loharano izy.11 Dra hanao reo tendrombohisiko aby ho lalagny Zaho, sady hanao reo lalam-be hisondrosy.12Ingo, ho avy lat'agny amin'gny alavisy ereo, gny sasany lat'agny amin'gny avarasy vo gny asinagna; vo reo sasany lat'agny amin'gny tanin'gny Sinima. 13Mihira, ry lagnisy, dra mifalia, ry tany; mivakia amin'gny fihira, handrareo ry tendrombohisy! Fa makahery gny olony Zagnahary, sady hana fangoraham-po amin'ireo ory.14Fa i Ziona nizaka ho: 'Nahafo anahy Yaveh, dra nagnaligno anahy gny Tompo." 15Sa ra gny reny hahavit ahagnaligno gny zanany, ze minono eo an-tratrany, dra sy hana fangoraham-po amin'gny zanadahiny ze naterany? Eka, mety magnaligno izy, fa Zaho sy bo hagnaligno aniha.16Ingi, fa vitako tombo-kavase eo am-pelatagnako gny agnaraniha, eo agnoloako avo gn fefiniha. 17Gny zanandrareo dra mandeha malaku afara oa, no bo miala amihia reo ze pandripaky aniha. 18Atio gny magnodidy aniha dra magnete, mivory magnodidy aniha izy aby dra magnato aniha. No bo miay vatany Zaho_ zeho gny fagnambaran'i Yaveh_ Hiakazo reo manahaky gny firavaky vatany hanao, sady hitafy anazy reo manahaky gny apakary hanao.19Fa very sady lao hanao, tany ze rava, amizao dra ho keliky loasy hanao amin'ireo ponina, vo reo ze nihina aniha dra hiala alavisy. 20Gny zaza ze ho teraky mandrisy gny fotoan'gny alaheloniha dra hibisiky eo an-sofiniha ho: "Tery loasy ho anay gny toera, manaova efisy ho anay, so ahafahanay mony eto."21Dra hagnotany vata hanao ho: "Ia gny niteraky tahoky zaza tahoky ho anahy? Fa momba sady nalahelo zaho, sesitany sady nisaram-panambalia. Ia gny nananga tahoky ankizy tahoky? Ingo, nenga raiky vatany zaho; lat'eza gny niavian'izeho?""22Zeho gny nizakan'i Yaveh Tompo ho: "Ingo, hanandrasy gny tagnako amin'ireo firene Zaho, hanandrasy gny fagnevako amin'ireo vahoaky Zaho. Handay reo zanadahiniha eo an-sandriny vo reo zanakapelaniha eo an-sororny ereo.23Gny pazaka gny ho ra pamelo aniha, voreo panzakavaviny gny ho pifehy aniha; hiankohoky miaraky amin'gny tarehiny amin'gny tany aminiha ereo dra hamafa gny botany eo an-tombokiniha; dra ho fataniha fa Zaho gny Yaveh; reoze nandigny anahy dra sy ho megnasy."24Sa ra afaky alay amin'ireo pialy reo voasambosy? na reo baboho voavonzy amin'gny fatrasy? 25Fa zeho gny zakan'i Yaveh: "Eka, hala amin'gny pialy reo babo, dra ho voavonzy reo voasambosy; fa hanohisy reo fahavaloniha Zaho dra hagnavosy reo zanakiniha.26Hofahanako reo nofon'gny vatany reo papahory aniha; dra ho mamon'gny lion'gny vatany ereo, manahaky gny ho raha divay zeho. Dra ho fatasin'gny olombelo aby fa Zaho, Yaveh, gny Pamonzy sady Pagnavosy andrareo, gny Raiky Maherin'i Jakoba."
Chapter 50

1Zeho gny zakan'i Yaveh: "Eza gny fagnamarignam-pisaraha ze nisarahako tamin'gny renindrareo? Ia tamin'ireo papisambosy Anahy gny nivarotako andrareo? Ingo, navily handrareo oho reo fahotandrareo,vo noho reo fikomiandrareo, dra nalefa nandeha gny renindrareo.2Nagnino Zaho gny avy fe sy nisy olo tagny? Nagnino Zaho gny nitoka fe sy nisy nalmaly? Sa fohiky loasy gny tagnako so hagnavosy andrareo? Sa ra sy nanan-kery Zaho so hamonzy andrareo? Ingo, amin'gny fizakako fatrasy gny andritako gny ranomasy; hanao reo ony ho efisy Zaho; matin'gny sy fisian-drano vo hetaheta gny hazan-dranony. 3apitafiko ezy gny habakabaky, lamba fandala gny agnarognako anizeho."4Gny Tompo Yaveh nagnome anahy lela manahaky reo ze fa napianary, so hizakako zaka mapahery ho an'gny rokaky; mamoha anahy isaky maraindray Izy; mamoha gny sofiko so hiteno manahaky reo napianary Izy.5Fa nanokasy gny sofiko Yaveh, ka dra sy bo nikomy zaho, na nihodiky nagnagny afara. 6Nomeko ho an'ireo ze nizera anahy gny lamosiko, vo gny tarehiko ho an'ireo ze nagnombosy gny volom-bavako; sy nagnavony gny tarehiko tamin'ireo fihesiky mahamegnasy sady mapadikidiky zaho.7Fa gny Tompo Yaveh gny hagnapy anahy; noho zeho dra sy ho afa-baraka zaho; koa dra fa nanao gny tarehiko ho afovato zaho, akory fatako fa sy ala baraka zaho.8Izy ze hagnamary anahy dra akekiko eo. Ia gny hanohisy anahy? Ndao sika hisanga dra hifagnatriky. Ia gny piapanga anahy? aoky izy hagnriny anahy. 9Ingo, gny Tompo Yaveh gny hagnapy anahy. Ia gn hagnameloky anahy? Ingo, izy aby reo ho driasy manahaky gny akazo, gny kalalao gny hihina andreo.10IA amindrareo gny matahosy an'i Yaveh? Ia gny magneky gny feon'gny panopony? Ia gny mandeha amin'gny ezy laliky sy misy fagnilo? Tokony hatoky amin'gny agnaran'i Yaveh izy dra hiantehisy amin'Agnahariny.11Ingo, handrareo aby ze mandrehisy afo; ze mivasy fagnilo; mandehana amin'gny hazavan'gny afondrarao vo amin'gny afo ze fa narehisindrareo. Zeho gny fa nirambesindrareo boaky aminahy, dra handriandrareo egny amin'gny toeran'gny fanhararia.
Chapter 51

1Mitenoa Anahy, handrareo ze magnaraky gny fahamarigna, handrareo ze mitalia an'i Yaveh: atio gny vatolapy ze nangala andrareo vo gny fahaliam-bato ze nangala andrareo.2Atio Abrahama, randrareo, vo Sarha, ze niteraky andrareo; fa tamy bo toka izy; dra nitoka anazy Zaho. Nitahy anazy Zaho sady nahamaro anazy.3Eka, Yaveh gny hapiegny an'i Ziona; hapiegny reo toerany banga IZy; gny tany efisiny nahiny manahaky an'i Edena, gny tany karakainy eo agnilan'gny Ony Lohasahan'i Jordana hanahaky gny zaridain'i Yaveh; faharavoravoa vo fifalia gny hiata aminazy ao, fisora, vo feon'gny fihira.4" Mifatoha aminahy, ry vahoakiko; dra mitenoa Anahy ry vahoakiko! Fa hamoaky lily Zaho, dra hahiko ho fahazava ho an'gny firene aby gny fahamarignako. 5Mariny gny fahamarignako; hiboaky gny famonzeko, vo gny sandriko gny hisara reo firene; reo tany amoron-siraky dra hiamby Anahy; fa gny sandriko gny ambenan'ereo fatrasy.6Andrandrao egny amin'gny lagnisy gny masondrareo, dra atio gny tany ambany, fa holevo manahaky gny setroky gny lagnisy, gny tany ho vorisy manahaky gny akazo, vo gny ponina eo amin'izeho ho faty manahaky gny lalisy. Fa gny famonzeko dra haharisy mandrakizay, vo gny fahamarignako dra sy hizano hiasa.7Mitenoa Anahy, handrareo ze mahay gny mary, handrareo vahoaky ze mana gny lalako ao am-pondrareo; "Ka matahosy gny fagnarasian'gny olo na kivy amin'gny fagnararaotany. 8Fa gny kalalao hihina andreo manahaky gny akazo, vo gny kankana hihina andreo manahaky gny volon'agnondry; fa ho mandrakizay gny fahamarignako, dr ho an'gny taranaky aby gny famonzeko."9MIfohaza, mifohaza, tafio hery gny vatandrareo, dra gny sandrin'i Yaveh. Mifohaza manahaky gny tamin'gny andro taloha, gny taranaky tamin'gny fotoa taloha. Sy hanao se gny nagnisakisaky an-dRahaba, hanao ze nandefo gny dragnona? 10Sy Hanao se gny nandrisy gny ranomasy, gny ranon'gny laliky vatany, vo manao gny fagnambanian'gny ranomasy ho lalam-pamonze so handalova?11Gny navotan'i Yaveh dra hihery dra hagnagny Ziona amin'gny korakim-piravoravoa vo am-piafalia mandrakizay ao amin'gny lohan'ereo; vo gnyfifalia vo faharavoravoa hameno andreo, dra hilefa andreo gny alahelo vo gny fandala.12" Zaho dra Zaho gny mapiegny aniha. Ino gny hatahoraniha gny olo, ze ho faty, gny zanak'olombelo ze nahy manahaky gny ahisy?13Nagnino gny nagnaligno an'i Yaveh ze pahary aniha hanao, ze naninzisy gny lagnisy sady nametraky gny fagnambanian'gny tany? Miay amin'gny tahosy lalandava hanao isan'andro nohon'gny firehetan'gny hahorian'gny papahory no tapa-kevisy gny handripaky izy. Eza gny hahorian'gny papahory?14Ze mitanondriky, ho avy malaky hagnafaky i Yaveh; sy ho faty sady sy handeha hizoso agny an-davaky, na sy hana mofo izy. 15Fa Zaho gny Yaveh Zagnahariniha, ze mapagnonza gny ranomasy so harierosy gny onzan'izeho_ Yaveh Tompon'gny maro gny Agnarany.16FA nametraky teo am-bavaniha reo zakako, dra nisafosy aniha tao amin'gny aloky gny tagnako Zaho, so hahafahako magnory gny lagnisy, vo mametraky gny fagnambanian'gny tany, dra hizaka amin'gny Ziona ho: 'Vahoakiko hanao."'17fohaza, mifohaza, misangana, ry jerosalema, hanao ze fa nino tamin'gny tagnan'i Yaveh boaky tamin'gny lasetin'gny hahoriany; hanao ze fa nino tamin'gny lasety, hatregny amin'gny faikany ambany amin'gny kapoakin'gny fivembegna. 18Sy misy tamin'ireo zanadahiny aby ze naterany bo hitariky anazy; sy misy tamin'ireo zanadahiny ze nasangany bo hitanta anazy.19Mitragna aminiha reo olona ro reo_ ia gny alahelo indray aminiha?_ faharava vo fandripaha, vo gny mosry vo gny mesa. Ia gny hapiegny aniha? 20Fa rokaky reo zanadahiniha; lavo egny anzoron-dalam-be aby egny ereo, manahaky gny diera ao agnaty harato; mamenoandreo gny fahavigniran'i Yaveh gny zaka fatrasin'Agnahariniha.21Fa androany tenoy zeho, hanao ze napahory sady nimamoy, fe sy mamon-divay: 22Yaveh Tomponiha, Zagnahariniha, ze mandahasy gny mahazo gny olony, mizaka ho: "Ingo, fa nalako teo an-tagnaniha gny kapoakin'gny fivembena_ gny lasety, ze kapoakin'gny hahoriako_ so sy hinomaniha anizeho sasy.23Hahiko eo an-tagnan'gny pagnitriky aniha zeho, ze fa nizaka taminiha ho: "Misilagnisa so hahafahanay magnisakisaky aniha'; nahiniha hanahaky gny tany vo manahaky gny lala handehan'ereo gny lamosiniha.
Chapter 52

1Mifohaza, mifohaza, tafio gny heriniha, ry Ziona; tafio reo akazoniha soa tarehy, ry Jerosalema, tana masy, fa sy hilisy amindrareo sasy gny sy voafora na gnyy maloto.2Ahisagno gny botany amin'gny vatandrareo; miaregna dra mitoboha, ry jerosalema; alao gny rozo vy eo am-bozoniha, ry zanakapelan'i Ziona babo. 3Fa zeho gny zakan'i Yaveh ho: "Navily maimaimpoa handrareo, dra ho vonze maimaimpoa."4fa zehi gny ambaran'gny Tompo Yaveh: " any am-piandoha gny oloko dra nandeha nizoso nagnagny Egypta so hitoesy mandrisy gny fotoa voafetry; fa napahorian'i Asyria vo sy ela ereo.5Amizao ino gny hanagnako eto--- zeho gny fagnambaran'i Yaveh--- hita fa nala tamin'gny sy antony gny oloko? Magnirasira reo ze manapaky eo amin'ereo--- zeho gny fagnambaran'i Yaveh--- dra voahendrikendriky avo gny agnarako totolo andro. 6Noho zeho gny oloko dra hahalala gny agnarako; ho fatan'ereo amin'izeho andro zeho fa Zaho gny mizaka ho:" Eka, Zaho zeho!"7Endrey gny hasaon'gny tombok'ireo panday hafasy egny an-tendrombohisy ze manday vaovao soa, ze magnambara fiadagna, ze manday zaka mahafaly, ze magnambara famonze, ze mizaka amin'i Ziona ho: " Manzaka gny Zagnaharindrareo!" 8Tenoy, manondrosy gny feony reo piambinoha, mindray mikoraky fifalia ereo, akory hahita gny fiheregnan'i Yaveh agny amin'gny Ziona ereo, gny mason'ereo aby.9Mindresa mihoby hiram-pifalia, handrareo ry ravan'i Jerosalema; fa Yaveh dra fa napahery gny olony; fa nagnavosy an'i Jerosalema Izy. 10Fa napiseho gny sandriny masy teo amason'gny firene aby Yaveh; hahita gny famonzen'gny Zagnaharisika gny tany aby.11Miala, miala, miboaha teto; ka mikasiky raha maloto; miala agnivo teo; diovy gny vatandrareo, handrareo ze manday gny fanak'i Yaveh. 12Fa sy tapoky gny hiboahandrareo, na tahosy gny hialandrareo; akory Yaveh dra handeha hialoha andrareo; vo gny Zagnaharin'Israely gny ho vodi-lalandrareo.13Ingo, hiasa am-pahendre gny panopoko; ho ambony sady hisondrosy izy, dra abo loasy. 14Fa manahaky gny nigagan'gny maro taminiha--- dra simba loasy sy sahala gny an'olombelo gny tarehiny, dra sy hita sahala gny olombelo sasy gny tarehiny.15Ndre dra zeho aza, hamafy firene maro gny panopoko dra hanakombo gny vavany noho izy reo pazaka. Fa zeho sy bo nizaka andreo, dra ho hitan'ereo, vo ze sy bo ren'ereo, dra ho azon'ereo.
Chapter 53

1Ia gny nino ze reny boaky taminay, vo tamin'ia gny napisehoa gny sandrin'i Yaveh? 2Fa nitombo manahaky gny zana-kazo mandinika teo agnatrehan'i Yaveh izy, vo manahaky gny simoky baky ao amin'gny tany karakay; sy nana hasaran-tarehy mahalasa na famirapirata izy; nofa nahita anazy sika, dra sy nisy hasoa maninto asika tegny.3Izy dra nisinosinoavy dra nilain'gny olo; olon'gny alahe;o, dra zatry fahoria. Manahaky gny raiky ze hagnavonian'gny olo gny tarehiny, nahy sinosino izy; dra ahisika manahaky gny sy misy dikany.4Fe nanday gny aretisika vatany izy dra nitaty gny alahelosika; fa nihevisy sika ho nisazian'Agnahary izy, nasian'Agnahary, dra napahoria.5Fa nilefony noho reo asa fikomiasika izy; potiky noho reo otasika izy. Gny sazin'gny fiadasika dra teo aminazy, vo tamin'ireo ratrany gny nahasitragna asika.6Sika aby dra manahaky gny agnondry ze nandeha tamin'gny lalan-diso; samby nandeha tamin'gnylalany aby sika, vo Yaveh nametraky gny fahotasika aby teo aminazy.7Napahory izy; fe nofa nagnetry vata izy, dra sy nanokasy gny vavany, sy nanokasy gny vavany manahaky gny zanak'agnondry ze tarihy ho agny amin'gny famoloa; vo manahaky gny agnondry ze misy magnoloa gny panety anazy izy.8Tamin'gny faneritere vo fisara gny niapanga anazy; ia amin'iho taranaky iho gny bo mieriserisy gny mahakasiky anazy? Fa naringa tamin'gny tanin'gny velo izy; noho reo fandikan-dalan'gny oloko dra nahy teo amin'gny fagnatrokafa. 9Nahin'ereo nindraytamin'ireo malaso manan-kare gny fahafatesany, ndre dra sy nanao herisetry aza izy, na nisy fitaky aza teo asogniny.10Fa sitrapon'Yaveh ho hamotiky anazy vo hanao anazy ho mararyy. Nofa nahiny ho soro ho an'gny fahota gny ainy, dra hahita gny firokafany izy, hagnalava gny androny izy, vo gny tanzon'i Yaveh dra ho tateraky amin'gny alalany.11 Afaran'gny fizaliany teo amin'gny fiaignany, dra hahita fahazava izy dra ho afa-po amin'gny fahalalany. Gny panopoko mary gny hagnamary gny maro; handay gny helok'ereo.12Noho zeho dra hagnome anazy gny anzarany eo amin'ireo maro zaho, dra hizara reo babo amin'gny maro izy, akory napiharihary gny vatany tamin'gny fahafatesa izy dra nahy ho isan'ireo pandika lalagna. Nanday gny otan'gny maro izy dra nagnelagnela reo pandika lalagna.
Chapter 54

1" Mihira, ry apela momba, handrareo ze sy niteraky; miravoaravoa amin'gny hiram-pifalia dra mikoroha fatrasy, handrareo ze sy bo nihesi-zaza. Fa gny zanaku gny panday vata dra maro kokoa noho gny zanaky gny apela manambaly," ho i Yaveh.2Ahivo lahibe kokoa gny laindrareo dra velaro ambain-daindrareo, velaro soa; alavao gny talindrareo dra hafatraro gny soto-kazondrareo. 3Fa hiely gny akavagna vo agny akavia handrareo, vo reo taranakindrareo dra handresy reo firene dra hitoby amin'gny tana lao.4Ka matahosy fa sy ho megnasy handrareo, na kivy fa sy ho afa-baraka handrareo; hagnaligno gny hegnasy gny hatanorandrareo vo gny fahafaham-barakan'gny fanenga andrareo handrareo.5Fa gny Pahary andrareo gny valindrareo, Yaveh tompon'gny maro gny Agnarany. Gny Raiky Masin'Israely gny Pagnavosy andrareo; Izy dra tokavy ho Zagnahary gny tany aby. 6Fa Yaveh fa nihery nitoka andrareo hanahaky gny valy ze nenga vo malahelo am-panahy, manahaky gny apela nanambaly tanora dra naria," ho gny Zagnaharindrareo.7" Fa nagnary andrareo nandrisy gny fotoa fohiky Zaho, fa amin'gny fangoraha lahibe gny hangorahako andrareo. 8Selasela avo gny hagnavoniako gny tarehiko tamindrareo; fa amin'gny tondra-dranon'gny hahoria; fa amin'gny faneke mahatoky sy mana-pitapera gny hangorahako andrareo--- ho i Yaveh, gny raiky ze magnavosy andrareo.9Fa zehi dra manhaky gny tondran-dranon'i Noa Aminahy: manahaky gny nifatako fa gny tondran-dranon'i Noa dra handalo amin'gny tany sasy, gny hifatako fa sy ho roy amindrareo na hizaka fatrasy andrareo Zaho. 10Ndre hilavo aza reo tendrombohisy ndre koa hiozongozo aza reo havoa, gny fitiavako sy miova koa dra sy hiodiky amindrareo , na gny fiadagnako manhatoky ho voaozongozo--- ho i Yaveh, ze mamindra fo andrareo.11Handrareo ory, afotofoton'gny tafio-drivosy sady dy mana fapionona, ingo, ho ahiko amin'gny vatosoa gny rarivatondrareo, vo amin'gny safira gny hametrahako gny fotosindrareo. 12Hahiko robina reo tilikambondrareo vo amin'gny vato mamirapirasy gny vavahadindrareo, vo gny fefindrareo agny iveny amin'gny vato soa tarehy.13Dra i Yaveh gny hapianasy reo zanadrareo aby, dra ho lahibe gny fiadagnan'ireo zanandrareo. 14Amin'gny fahamarigna gny hagneregnako andrareo amin'gny laoniny. Sy hiay fagnitrifa sasy handrareo, dra sy hatahosy handrareo, sady sy hisy ndre ino ndre ino mapitahosy ho avy eo agnilandrareo.15Ingo, no misy olo mitariky korota, dra sy baoky Aminahy zeho; ndre ia ndre ia mitariky korota eo amindrareo dra ho lavo amin'gny faharese. 16Ingo, fa nahary panao asa tagna, ze misoky gny bain'efo mirehisy vo manefy fitaovam-pialia ho asany Zaho, vo fa nahary gny pamotiky bo hamotiky Zaho.17Sy misy fitovam-pialia ze voafor hanohisy andrareo haharesy; vo handrareo dra hagnameloky ze iaby miapanga andrareo. Zeho gny lovan'ereo panopon'i Yaveh, vo gny fagnamarignan;ereo baoky Aminahy--- zeho gny fagnambaran'i Yaveh."
Chapter 55

1"Avia, handrareo aby ze mangetaheta, mandehana eo amin'gny rano, vo handrareo ze sy manam-bola, avia, miviliana dra mihinana! Avia, miviliana divay vo ronono sy andoavam-bola say sy misy viliny.2Nagnino handrareo gny mandanza volafosy ho amin'ize sy mofo, vo nagnino handrareo gny miasa fatrasy amin'ize sy mahafa-po andrareo? Tenoy soa Zaho da mihinana ze soa, vo amin'gny hateveza gny hafinarisy gny vatandrareo.3Atongilagno gny sofindrareo dra magnatogna aminahy atiky! Mitenoa, dra ho velo handrareo. Hanao faneke mandrakizay amindrareo Zaho: gny tokiako, fitiava mahatoky napagnatenay an'i Davida. 4Ingo, fa nahiko amin'gny toerany manahaky gny vavolombelo ho an'ireo firene izy, manahaky gny pitariky vo pibeko hoan'gny vahoaky.5Ingo, hitoka gny firene ze sy fatandrareo handrareo; vo gny firene sy nahafatasy andrareo gny hihazakazaky ho agny amindrareo noho Yaveh Zagnaharindrareo, Gny masin'Israely, ze fa nagnome voninahisy ho andrareo."6Miataliava an'i Yaveh tany bo hita Izy; mitokava Anazy tany bo eo mariny eo Izy. Aoky hiala amin'gny lalany gny rasy fagnahy, vo gny paota hiala amin'gny herisetriny. 7Aoky izy hihery amin'i Yaveh, dra hihantra anazy Izy, vo an'Agnaharisika, ze hamela tateraky anazy.8Fa gny fihevisiko sy fihevisindrareo, na gny lalandrareo gny lalako__zeho gny fagnambaran'i Yaveh__ 9Fa manahaky gny hahabon'gny lagnisy ze abo kokoa noho gny tany, gny hahabon'gny lalako kokoa anoho gny lalandrareo, vo gny fihesiko mihoasy noho gny fihevisindrareo.10Fa sahala gny ora vo gnyfanala hilasaky lat'egny an-dagnisy dra sy mihery egny no sy ho mameno gny tany reo dra hamokasy sady hisimoky zeho dra hagnome vihi ho an'gny pamboly ze mamafy dra mizara mofo ho an'gny pihina, 11koa ho aloakin'gny vavako avo koa gny zaka,: sy bo hihery aminahy sy misy dikay zeho, fe zeho gny hagnatateraky ze iriko, sady hahomby izy ho amin'ize nanadefasako an'izeho.12Fa hiboaky am-pifalia handraeo dra hotarihy am-piadagna; reo tendrombohisy vo gny havoa dra ho vaky amin'gny koraky am-pifalia eo agnatrehandrareo, vo gny hazon'gny saha aby dra hiteha-tagna. 13No tokony ho fefy silo, dra kypreso gny hisiry; vo no tokony ho silo, dra hazo rota gny hisiry, dra ho an'i Yaveh zaho, fa gny agnarany , manahaky gny famatara ze sy ho tapaky mandrakizay.
Chapter 56

1Zeho gny zakan'i Yaveh: "Tandremo ze mary, manaova ze rariny; fa mriny gny famonzeko, sady fa haseho gny fahamarignako. 2Voatahy gny olo ze manaho, sady mita fatrasy anizeho. Izy dra mitandry gny Sabata, fa sy mandoto anizeho, dra mifehy gny tagnany amin'gny fanaovan-drasy."3Aoky gny hafa firene ze avy pagnaraky an'i yaveh sy hisy hanao ho: "Hangalaky anahy ao amin'ireo vahoakiny vatany Yaveh." Gny tandapa sy tokony hizaka ho: "Ingo zaho fa hazo maiky."4Fa zeho gny zakan'i Yaveh: "Ho an'ireo tandapa ze mitandry reo Sabatako, vo misafidy gny ankasitrahao, dra mita gny fanekeko, 5ho andreo gny hananganako ao am-pasangeko vo ao agnatin'gny fefiko gny sangam-bato ze soa kokoa nohon'gny manan-zanaky lelahy vo zanaky apela. Hagnome andreo sangam-bato maharisy mandrakizay ze sy ho kapay mihisy Zaho.6Reo hafa firene ze mindray amin'i Yaveh avo koa_so hanopo Anazy, vo reo ze tia gny agnaran'i Yaveh_so hisiriry Anazy, gny olon'aby ze mitandry gny Sabat, ze mita amin'gny sy fandotoa anizeho, vo ze mita gny fanekeno 7_dra ho andesiko agny an-tendrombohisiko masy dra hapiravoravoko ao am-pasange fivavahako ereo; gny fagantisy orony vo gny soron'ereo dra hele eo ambonin'gy alitarako. Fa gny fasangeko hotokavy ho fasange fivavaha ho an'gny firenen'aby,8zeho gny fagnambaran'i Yaveh Tompo, ze mamory reo vahoakin'Israely_mbo hamory reo hafa ho fagnapin'ereo Zaho."9Handrareo bibidia aby agny an-saha, avia dra arapao, handrareo bibidia aby agny agn'ala! 10Reo pitily anazy aby dra poaky, sy mahatakasy ereo. Amboa moa aby ereo dra afaly mivovo. Manofy, sy misilailay ereo sady tia matory.11enda-kany vatany reo amboa; sy mety visy mihisy ereo; piaraky agnondry sy mahay magnavaky ereo; nivoa tamin'gny lalany aby izy aby reo, samby fatra-pitia tombony sy ara-drariny gny kiaraikiraiky.12" Avia" ho ereo: "Ndao hino divay vo toaky sika. hanahaky gny androny avo gny hamaray, gny andro lahibe tafahoasy."
Chapter 57

1Maty gny mary, fe sy mihevisy anizeho, dra navory gny olon'gny faneke mahatoky, fe sy misy oo mahatakasy fa avory ;at'amin'gny rasy gny mary.2 Milisy ao amin'gny fiadagna izy; miala rokaky eo am-pandriany ereo, dra ireo ze mandeha amin'gny fahisiany.3Fa nagnato eto, handrareo zanaky gny pagnandro, zanaky gny pizangazanga vo gny apela ze fa niavrosy gny vatany.4 Ia gny magneso amin-kafalia andrareo? Amin'ia gny anokafandrareo vava vo hitrangandrareo lela? Sa ra sy zanaky pikomy, zanaky pamitaky handrareo?5Magnafana gny vatandrareo amin'gny fiaraha matory eo ambanin'gny hazo terebinta, ambanin'gny ahi-maiso aby handrareo. Handrareo ze mamono gny zanandrareo eo amin'gny renirano maiky, eo ambanin'gny sefasefakin'gny vato.6Amin'ireo kilonzy malaman'gny renirandohasaha reo raha ze notendreko ho andrareo. Reo gny anton'gny fanoloram-batandrareo. Handrareo dra mandraraky gny fagnatisindrareo inomy ho andreo sady manandrasy gny fagnatisy vary. Amin'ireo raha reo se gny tokony hifaliako?7Nagnoma gny fandriandrareo tagny an-tendrombohisy aby handrareo; niakast tagny koa handrareo so hanolosy reo soro. 8Tao ivihon'gny varavara vo gny tolam-batrangara gny nametrahandrareo reo famatarandrareo. Handrareo dra nilefa nanenga Anahy, napitazaky gny vatandrareo, dra niakasy; napihanzaky gny fandriandrareo. Nanao faneke tamin'ereo handrareo; nitia gny fandrian'ereo handrareo; nahita gny farisy saro-padiny handrareo.9Nagnagny amin'i Moleka nindray tamin'gny dililo handrareo; napitombo gny raha magnisy handrareo. Nandefa reo irakindrareo lavisy handrareo; nizoso tagny amin'gny Fiaigna-sy hita handrareo. 10Rokaky gny liandrareo lavisy handrareo, fe sy nizaka mihisy handrareo ho: "Sy misy fagnatena zeho." Nahita fiaigna teo an-tagnandrareo handrareo; noho zeho dra sy nihaosa handrareo.11" Ia gny ahiandrareo? Ia gny atahorandrareo fatrasy dra nahavy andrareo hamitaky, dra sy nahasiaro gny niheriserisy Anahy handrareo? Akory nangia hatry gny ela Zaho sady sy matahosy Anahy sasy handrareo. 12Hagnambara reo asa marindrareo sady hizaka ze fa nahindrareo aby Zaho, fa sy hagnapy andrareo regny.13Nofa mitaray handrareo, aoky hamonzy andrareo reo karazan-sapindrareo. Notokony gny sioky gny handay anazy aby reo, dra gny fofon'ay gny handay anazy aby. Fa ze mialoky Aminahy dra handova gny tany vo hangalaky ho fanagna gny tendrombohisiko masy.14Hizaka izy ho: 'Amboaro, amboaro! Savao gny lala! Alao eo amin'gny lalan'gny vahoakiko gny raha mahatafitohy aby!"' 15Fa zeho gny zakan'Gny ambony vo aby, ze velo mandrakizay, masy gny Agnarany: "Zaho dra mitoboky amin'gny toera abo sady masy, mindray aminazy koa gny fagnahy torotoro sady magnetry vata, so hameloma ndraiky gny fagnahin'ireo ze nagnetry vata, sady so hameloma ndraiky gny fon'ireo ze manegny.16Fa sy hiapanga mandrakizay, na ho ory mandrakizay Zaho, fa gny fagnahin'gny olo dra rokaky teo agnatrehako, dra reo ay ze nahiko. 17Nohon'gny fahotan'gny tombony sy ara-drariny, dra ory Zaho, dra nagnatrotraky anazy; nagnavony gny tarehiko Zaho sady ory, fe nandeha tamin'gny lalan'gny fony izy.18Fa nahita gny lalany Zaho, fe ho sitragniko izy. Hitariky anazy Zaho dra hapahery sady hapiegny reo ze mandala ho anazy, 19dra forogniko gny vokas'ireo sogniny. Fiadagna, fiadagna, hoan'ireo ze agny lavisy vo ho an'ireo ze mariny_hoi Yaveh_hositragniko ereo.20Fe reo rasy fagnahy dra manahaky gny ranomasy misamboaravoara, ze sy afaky mizano, vo gny ranon'izeho dra fotaky misamboaravoara. 21Sy misy fiadagna ho an'ize rasy fagnahy_ho Zagnahary."
Chapter 58

1" Mitomagnia fatrasy; ka tana. Asodroto manahaky gny asiva gny feoniha. Atrefo amin'gny fikomiany gny oloko, vo amin'gny fahotany gny hasaveregnan'i jakoba. 2Fe mbo mitalia anahy isan'andro ereo dra finarisy amin'gny fahalala gny lalako, manahaky gny firene ze nanao gny fahamarigna sady sy nahafo gny lalagnan'gny Zagnaharin'ereo. Mangataky fisara mary aminahy ereo; finarisy amin'gny fihevera gny fagnakekezan'Agnahary ereo.3' Nagnino zahay gny nifady' ho ereo, 'fe sy hitaniha zeho? Nagnino zahay gny nagnetry vata, fe sy sikarisiniha?' Ingo, amin'gny andron'gny fifadiandrareo gny hahitandrareo gny fahafinaretandrareo manoka vo apahoriandrareo gny piasandrareo aby.4Ingo, mifady hany handrareo so hifandisy vo hialy, vo hizera amin'gny komondron'gny faharasiandrareo; sy mifady handrareo androany so ho re agny ambony gny feondrareo. 5Zeho vatany se gny karaza fifadia toiako: Andro hanetren'gny iaby gny vatany, so hapiondrehany gny lohany manahaky gny volotara, vo hamelarany lamba fandala vo lavenoky ao ambaniny? Fifadia vatany se gny itokavandrarei anizeho, andro ifalian'i Yaveh?6Sy zeho se gny fifadia safiliko: Gny hagnafaky gny famatoran'gny faharasia, gny hamaha gny talin'gny zioga, gny hagnafaky reo torotoro, gny hanapaky gny zioga aby? 7Sy gny hizara gny mofoniha amin'gny resy vo handay reo mahantra vo reo sy manan-kelofa ho ao am-pasangeniha se?" Nofa mahita olo miborida hanao, dra tokony hapitady annazy; sady dy tokony hagnavony gny vataniha amin'ireo havaniha avo hanao.8Dra hipoaky manahaky gny masoandro gny fahazavaniha, sady hisimoky malaky gny fagnasitragna aniha; handeha eo agnoloaniha ny fahamarignaniha, vo gny voninahis'i Yaveh gny ho vodi-lalaniha.9Dra hitoka hanao, vo hamaly Yaveh; hikoraky famonze hanao, dra hizaka izy ho:" Tahoky Zaho.' No alaniha hiala aminiha gny zioga, gny fanondro miapanga, vo gny lahazakan'gny faharasia, 10no magnome ho an'gny resy hanao dra mamisy gny tra-pahoria; dra hiposaky ao amin'gny ezy gny fahazavaniha, vo gny eziniha hanahaky gny amin'gny matataovovogna.11Dra hitariky aniha lalandava Yaveh dra hamisy aniha agny amin'gny faritany ze sy misy rano, sady hagnatazaky gny tolaniha Izy. Hanahaky gny sahan-drano hanao, dra manahaky gny loharano, ze sy mizano mandrakizay gny ranony.12Gny sasany amindrareo dra hagnory ndraiky gny rava taloha; hananga reo ravan'gny taranaky maro handrareo; ho tokavy handrareo ho" pagnamboasy gny fefy," "Papihery gny lala hitoboha."13No ahy ho magnavio gny tombiniha hila amin'gny fanaova dia amin'gny andro Sabata hanao, vo hiala amin'gny fanaova gny fahafinaretaniha manoka amin'gny androko masy. No ahy ho mitoka gny Sabata ho sitraky, sady mitoka gny raharahan'i Yaveh ho masy vo manan-kaza hanao. No ahy ho magnaza gny Sabata amin'gny fahafoiza gny raharahaniha manoka hanao, vo amin'gny sy fitaliava gny fahafinaretaniha manoka vo amin'gny sy fizaka gny zakaniha manoka.14Dra hahita mamy ao amin'i Yaveh hanao; dra hapitikiriko gny haabon'gny tany; hamisy aniha lat'amin'gny lovan'i Jakoa raniha Zaho--- fa gny vavan'i Yaveh gny nizaka."
Chapter 59

1Ingo, gny tagnan'i Yaveh sy fohiky ra dra sy hahavonzy; vo gny sofiny sy maregniregny, dra sy hahare. 2Gny asa rasindrareo, fe, gny napisaraky andrareo tamin'gny Zagnaharindrareo, vo gny fahotandrareo gny nahavy Anazy hagnavony gny tarehiny amindrareo dra sy hiteno andrareo.3Fa tasin'gnylio gny tagnandrareo vo gny rasan-tagnandrareo tasin'gny fahota. Mizaka vandy gny sognindrareo vo gny lelandrareo mizaka amin-kafese.4 Sy misy mitoka gny mary, sady sy misy mifona amin'gny fahamarigna. Mitoky amin'gny zaka fahatany ereo, dra mizaka vandy; vandy gny torotorogniny vo fahota gny aterany.5Mikotriky atolim-bibilava feno poizy ereo dra magneno tragnon-kala. Ze iaby mihina gny atoliny dra maty, vo no misy atoly vaohisaky, dra foy ho bibilava feno poisy zeho.6 Sy azo apesa hahy akazo gny tragno-kalany, na afaly magnoro gny vatany gny asany. Asan'gny fahota gny asany, vo gny asan'gny herisetry gny eo an-tagnany.7Mihazakazaky ho agny amin'gny rasy gny tombony, vo mihazakazaky handasaky lio sy mana-syigny ereo. Fihevisy fahota gny fihevisiny; herisetry vo fandrava gny lalagnany. 8Gny lalagnan'gny fiadagna sy bo fatas'ereo, dra sy misy rariny eo amin'gny lalany. Nagnamboasy lala-meloky ereo; ze iaby mandeha amin'izeho lala zeho dra sy mahita fiadagna.9Noho zeho dra lavisy anay gny rariny, sady sy mahatratry anany gny fahamarigna. Mandigny fahazava zahay, fe mahita ezy; mitalia famirapirata zahay, fe mandeha amin'gny ezy. 10Misapasapa rindry manahaky gny poaky zahay, manahaky reo ze sy mahita. Voafinga amin'gny dizerabenagnahary zahay manahaky gny ho amin'gny takariva; eo amin'gny reo mahery dra manahaky gny olo maty zahay.11Mierosy manahaky gny bera zahay dra mitolokoloko manahaky gny voromailala; miaby rariny zahay, fe sy misy; maimby fagnavota, fe lavisy anay zeho.12Fa eo agnoloaniha gny helokinay, vo gny fahotanay gny miapamga anay; fa gny helokinay dra mindray aminay, sady fatasinay gny fahotanay. 13Nikomy zahay, nanda an'i Yaveh sady niala tamin'gny fagnaraha gny Zagnaharinay. Nizaka fapahoria zahay dra nivio lala, namoro fitaraigna boaky tao am-ponay vo zaka vandy.14Nala gny rariny, dra mizoro lavisy dra lavisy gny fahamarigna; fa tafitohy egny akalamanzagna gny fahamarigna, dra sy ho aby gny mary. 15Fa difisy lavisy gny fahamendreaham-pitokisa, vo gny raiky ze miala amin'gny rasy gny mahavy ny vatany ho tra-doza. Hitan'i Yaveh zeho dra sy faly Izy fa sy misy gny rariny.16Nahita Izy fa sy misy olo, dra lasa fa sy mbo misy milisy an-sehasy. Noho zeho dra tagnany avo gny nanday famonze ho Anazy, vo gny fahamarignany gny nanoha Anazy.17Mitafy fahamarigna ho saron-tratra Izy vo garo-loha famonze eo amin'gnylohany. Nitafy akazo vaalifaty izy dra nanao gny zoto-po ho aron'akazo. 18Nivaliany noho ze vitany ereo, dra fisara feno hahoria amin'gny rafiny, famalia ho an'gny fahavalony, vo fatrokafa ho valim-pitian'ireo.19Koa dra hatahosy gny agnaran'i Yaveh lat'agny andrefa ereo, vo gny voninahiny lat'agny amin'gny fiposahan'gny masoandro; fa ho avy manahaky gny mipaoky Izy, ze andesin'gny fofonain'i Yaveh. 20"Misy pagnavosy avy ao Ziona vo amin'ireo ze miala amin'gny asany feno fikomia ao amin'i Jakoba--- zeho gny fagnamabarn'i Yaveh.21No gny aminahy, dra zeho gny fanekeko amin'ereo--- ho Yaveh--- gny faganhiko ze ao amin'ereo, vo gny zakako ze napetrako teo am-bavaniha, dra sy hiala amin'gny vavaniha, na hiala amin'gny vavan'ireo zanakiniha, na hiala amin'gny vavan'ireo zafiniha--- ho Yaveh--- manomboky zeho dra ho mandrakizay."
Chapter 60

1Misanga, mihazava; fa avy gny fahazavaniha, dra fa nisandrasy taminiha gny voninahis'i Yaveh.2Fa handrakosy gny tany gny ezy, vo reo firene gny ezim-pito; fe hisondrosy aminiha eo Yaveh, dra ho hitaniha gny voninahiny. 3Ho avy amin'gny fahazavanoha eo reo firene, vo eo amin'gny tara-pahazavaniha ze misondrosy reo pazaka.4Magnitia magnodidy dra tazagno. Mindray mivory izy iaby dra avy aminiha eo. Ho avy lat'agny lavisy reo zanadahiniha, dra ho andesy an-sandriny reo zanakapelaniha. 5Dra hagnety hanao dra ho miramira, dra tokony hifaly vo ho safosy gny foniha, akory hararahy aminiha gny hamaroan'gny ranomasy, ho avy aminiha gny haren'ireo firene.6Handrakosy aniha reo andrian-drameva, dra reo rameva tanora agny Midiana vo Efaha; reho iaby reho dra ho avy agny Sheba aby; handay volamena vo ditin-kazo magnisy reo, sady hihira fidera an'i Yaveh. 7Reo agnondry aman'osin'i Kedara aby dra havory eo aminiha, reo agnondry lahin'i Nebaiota dra hety amin'ize ilaniha; ho fagnatisy ankasitraha eo amin'gny alitarako reo; dra homeko voninahisy gny fasangeko be voninahisy.8Ia se regny mitily manahaky gny raho, vo manahaky gny voromailala ao amin'gny felofany regny? 9Mitalia Anahy gny tany amoronsiraky, sady mitariky gny sambon'i tarsisy, so handay reo zanakiniha lelahy baoky lavisy, gny volafosiny vo reo volamenany miaraky amin'ereo, ho an'gny agnaran'i Yaveh Zagnahariniha, vo ho an'Gny Masin'Israely, akory fa nagnome voninahisy aniha Izy.10Gny zanaky lahin'ireo hafa firene hananga ndraiky reo fefiniha; dra hanopo aniha reo pazakanu; fa ndre dra tamin'gny hahoriako aza gny nagnatrokafako aniha, dra amin'gny fankasitrahako koa gny hangorahako aniha.11 Hisokasy hatragny hatragny avo koa reo vavahadiniha; sy hakatoky na andro na hariva reo, so handesa gny haren'ireo firene, mbamin'ireo pazakany tarity.12Reo firene vo reo fanzaka ze sy hanopo aniha dra ho levo vatany; ho rava tateraky zeho firene zeho.13 Ho avy aminiha gny voninahis'i Libanona, gny hazo kypreso, gny kesiky, vo gny bosko miaraky, dra hanendriky gny fitoerako masy, vo hagnome voninahisy gny fitoeran-tomboky Zaho.14ho avy eo aminiha so hiankohoky ereo, dra gny zanaky lelahin'ireo ze nagnetry aniha; hiankohoky eo an-tombokiniha ereo; hitoka aniha ho Gny tanan'i Yaveh ereo, dra i Zion'Gny Masin'Israely.15ho soloniha nenga sady nankahalay, dra sy misy mandalo aniha, dra hahikoraha firehareha mandrakizay hanao, fifalia hatramin'gny taranaky mifandimby. 16Hino gny rononon'ireo firene avo koa hanao, dra hinono eo amin'gny tratran'ireo pazaka; dra ho fataniha fa Zaho, gny Yaveh, Pamonzy aniha sady Pagnavosy aniha, Gny Masin'i Jakoba.17Ho solon'gny saba dra handay volamena Zaho, ho solon'gny vy dra handay volafosy Zaho; ho solon'gny hazo, dra saba; vo ho solon'gny vato, dra vy. Hanendry fiadagna ho governoraniha zaho, vo rariny gny panapakiniha.18 Sy ho re ao amin'gny taniniha sasy gny herisetry, na fandrava na fahapotipotrha ao amin'ireo faritaniniha; sa ho tokaviniha ho Famonze reo fefiniha, vo Fidera gny vavahadiniha.19Sy so fahazavaniha gny andro sasy gny masoandro, na hamirasy aminiha gny fahazavan'gny vola; fa Yaveh gny ho fahazavaniha maharisy mandrakizay, vo gny Zagnariniha gny voninahisiniha. 20Sy hiletiky sasy gny masoandroniha, na hiala dra hanzavo gny volaniha; fa Yaveh gny ho fahazavaniha maharisy mandrakizay, dra hifara reo andro fandalaniha.21Ho mary aby gny vahoakiniha aby; hangalaky gny tany amin'gny fotoa aby ereo, dra gny ransan'gny voliko, gny asan'gny tagnako, so home voninahisy Zaho.22 Ho avy agn'arivony gny keliky, vo ho firene matazaky gny bitiky; Zaho, Yaveh, dra hagnatateraky ireo malaky nofa avy gny fotoa.
Chapter 61

1Aminahy ato gny Fagnahin'gny Tompo Yaveh, akory nagnosotry anahy hitory vaovao mahafaly amin'ize ory i Yaveh. Nagniraky anahy so hagnasitra gny marary am-po Izy, so hagnambara fahafaha amin'ireo ze babo, vo fisokafan'gny fonza ho an'ireo ze voafatotry.2Nagniraky anahy so hagnambara gny tao fankasitrahan'i Yaveh, gny andron'gny valifatin'gny Zagnaharisika, vo ba ha[iegny an'ize iaby mandala Izy.3Nagniraky anahy Izy--- so hagnome ho an'ereo ze mandala ao Ziona--- so hagnome satroky ho andreo fa sy lavenoky, dililom-pifalia fa sy fandala, lamba fidera ho solon'gny faharokfan'gny fagnahy, so hitokava andreo ho hazon'gny fahamarigna, gny nambolen'i Yaveh, so homem-boninahisy izy.4Hananga reo rava taloha ndraiky ereo; hapihery reo fandrava teo aloha ndraiky ereo. Hapihery reo tana rava ndriky ereo, reo fandrava tamin'gny taranaky maro teo aloha. 5Hisanga dra hamaha an'ireo agnondry aman'osindrareo reo vahiny, vo reo zanaky lelahin'gny vahiny hiasa gny sahandrareo vo gny tanim-boalobokindrareo.6Ho tokavy ho pisoron'i Yaveh handrareo; hitoka andrareo ho panopon'gny Zagnaharisika ereo. Hihina gny haren'ireo firene handrareo, dra hirehareha amin'gny haren'ereo. 7Hahazo avo ro heny handrareo solon'gny hegnasindrareo; dra hifaly amin'gny fizaran'ereo handrareo solon'gny fahafaham-baraka. Noho zeho ereo dra hahazo zara avo ro heny amin'gny tanin'ereo; hafalia mandrakizay gny ho andreo.8Fa Zaho, Yaveh, dra tia gny rariny, vo halako gny fandroba vo gny herisetra sy ara-drariny. Hamaly andreo am-pahamarigna Zaho, sady hanao faneke mandrakizay amin'ereo. 9Ho fatasy eo amin'ireo firene gny taranah'ereo, vo eo amin'ireo vahoaky gny zanak'ereo. Ze iaby mahita andreo dra hagneky andreo, fa ereo gny vahoaky ze nitahin'i Yaveh.10Hifaly tateraky amin'i Yaveh zaho; ho ravo ao amin'gny Zagnahariko zaho. Fa Izy gny napisiky anahy tamin'ireo fitafian'gny famonze; napisiky anahy tamin'gny akazo lavan'gny fahamarigna Izy, manahaky gny panpakasy mandravaky gny vatany amin'gny satroky, vo manahaky gny apankary mandravaky gny vatany amin'gny firavakiny. 11Fa manahaky gny tany mapisimoky gny raha misiry ao aminazy, gny hapisirian'i Yaveh fahamarigna vo fisiriria eo agnatrehan'gny firene aby.
Chapter 62

1Nohon'gny amin'i Ziona dra sy hisigny zaho, vo nohon'gny amin'i Jerosalema dra sy hikombom-bava zaho, mandra-piboakin'gny fahamarigna mamirapirasy, vo gny famonzeny manahaky gny fagnilo mirehisy. 2Hahita gny fahmarignaniha reo firene, vo gny pazaka aby gny voninahisiniha. Ho tokavy amin'gny agnara vaovao hanao ze ho safilin'i Yaveh.3Ho satro-boninahisy gny hasoa eo an-tagnan'i Yaveh avo koa hanao, vo satroky gny fanzaka eo an-tagnan'gny Zagnahariniha. Sy ho zakay gny aminiha sasy gny ho: 4"Nafo"; na ho zakay amin'gny taniniha sasy gny ho: "Lao." Fe koa, ho tokavy ho: " Gny sitrako," vo gny taniniha ho: ' Manambaly," akory sitrak'i Yaveh hanao, sady hanambaly gny taniniha.5Manahaky gny tovolahy manambaly tovovavy vatany, gny hanamablian'ireo zanakiniha aniha, dra anhaky gny papakasy mifaly amin'gny apakary, gny hifakian'Agnaharindrareo amindrareo.6Nametrahako piamby teo amin'ireo fefiniha, ry Jerosalema; sy misigny ereo andro vo hariva. Handrareo ze mapasiahy an'i Yaveh, ka mizano. 7Ka enga hiala rokaky Izy mandra-pametrahany an'i Jerosalema ndraiky vo mandra-panaovany anizeho ho fisiriria an-tany etoky.8Nifata tamin'gny tagnany akavagna vo taming'ny sandrin'gny heriny Yaveh ho: " Azo atoky fa sy hagnome gny varinandrareo ho sakafo ho an'ireo fahavalondrareo sasy Zaho. Reo vahiny dra sy hino gny divay vaovaondrareo, ze niasandrareo.9 Fa reo ze mizinza gny vary dra hihina anizeho sady hisiriry an'i Yaveh, vo reo ze mioty voaloboky dra hino gny divay ao amin'gny fisaran'gny toerako masy."10Miboaha, miboaha amin'gny vavahady! homagno gny lala ho an'gny olo! Hamboaro zeho, hamboaro gny lalam-be! Avorio reo vato! Manangana say famatara ho an'ireo firene!11Ingo, magnambara amin'gny faran'gny tany Yaveh ho: " Zakao amin'gny zanakapelan'i Ziona ho: Ingo, avy gny pagnavosy andrareo! Atio, mindray aminazy gny valiosoany, dra mandeha eo agnoloany gny valin-kirokafany."12 Hitoka andrareo ereo ho: "Gny vahoaky masy; gny navotan'i Yaveh," vo hanao dra ho tokavy ho: " Nitaliavy; tana sy nafo."
Chapter 63

1Ia tihoky boakagny Edoma tihoky, nisiky akazo menamena lat'agny Bozra? Ia se izy ze nisiky akazon'andria, mandeha am-pahatokia nohon'gny haben'gny heriny? Zaho zeho, ze mizaka fahamarigna sady mahavonzy tateraky. 2Nagnino gny mena gny sikiniha, sady nagnino ereo gny manahakin'ize fa nagnisakisaky gnyvoaloboky eo amin'gny fatrokafa?3Nagnosihosy raiky reo voaloboky teo amin'gny fatrokafa, dra sy nisy ndre dra firene raiky aza nagnato Anahy. Nihosihoseko tamin'gny hahoria sady nisakisahiko tamin'gny fahavignirako ereo. Gny lion'ereo dra nipisiky tamin'gny fitafiako dra voaloto reo fitafiako aby. 4Fa andriko gny andron'gny famaliako, vo gny taon'gny fagnavotako dra fa avy.5Nagnety Zaho, dra sy nisy ndre ia ndre ia nagnapy. Seriky Zaho fa sy nisy nagnapy, fa gny sandriko gny nanday fandrese ho Anahy, vo gny hahoriako lahibe gny nanohagny Anahy. 6Nisakisahiko tamin'gny hahoriako reo olo dra nahamamo andreo tamin'gny fahavigniraho Zaho, dra nailiko teo amin'gny tany gny lion'ereo.7Hagnambara gny asan'gny faneke mahatokin'i Yaveh zaho, reo asa magneva-pisiriria nahin'i Yaveh. Hagnambara ze iaby nahin'i Yaveh ho asika zaho, vo gny haben'gny fanaovan-soany tamin'gny taranak'Israelu. Fa nasehony asika gny fangoraham-pony nohon'gny famindrampony, vo tamin'gny asa maron'gny faneke mahatoky.8 Fa ho izy: " Fa oloko vatany reo, zanaky ze sy bo mena-mivadiky." Nizary Pamonzin'ereo Izy.9Tamin'gny fizalian'ereo aby, dra nizaly koa izy, dra namonzy andreo gny anzely lat'eamin'gny fagnatrehany. Amin'gny fitiavany vo gny famindrampony gny namonzeny andreo, dra nanadrasy vo nanday andreo tamin'gny fotoa taloha aby Izy.10Fa nikomy sady sosotry tamin'gny Fagnahy Masy ereo. Dra nazary fahavalon'ereo Izy dra nialy hanohisy andreo.11Gny olony dra nihevisy reo fotoan'i Mosesy taloha. Ho ereo: "Eza Zagnahary, ze nanday andreo niboaky tao amin'gny ranomasy mindray amin'gny piaraky agnondry aman'osiny? Eza Zagnahary, ze anmetraky gny Fagnahy Masy teo amin'ereo?12Eza Zagnahary, gny nanao gny heriny ho be voninahisy nandeha tamin'gny tana akavagnan'i Mosesy, dra napisaraky gny rano teo agnoloan'ereo, so hanaova agnara mandrakizay ho anazy? 13Eza Zagnahary, gny nanday andreo tamin'gny rano laliky? manahayky gny sovaly milomay amin'gny tany mahisy, sy tafitohy ereo.14Manahaky gny biby fiteza zay mizoso an-dohasaha, gny Fagnahin'i Yaveh nagnome fisahara andreo. Dra nanday gny vahoakiniha hanao, so hanaova agnara fisiriria ho aniha.15Magnitia ambany lat'egny amin'gny lagnisy dra miambena lat'egny amin'gny fonegnanoha masy sady be voninahisy. Eza gny zotom-poniha vo gny asaniha mahery? Reo asa famindrampo vo gny fangorahaniha dra nitana taminay. 16Akory ranay hanao, fa Abrahama sy mahay anay, vo Israely sy mahafatasy anay, hanao, ry Yaveh, gny ranay. 'Pagnavosy anay' gny fa agnaraniha hatramin'gny fa ela.17Ry Yaveh, nagnino gny enganiha hirerirery hiala amin'gny lalaniha zahay dra magnamafy gny fonay, so sy hagnekenay Aniha? Miheregna nohon'gny amin'ireo panoponiha', gny fokon'gny lovaniha.18Foto fohiky gny nanagnan'gny vahoakiniha gny toeraniha masy, dra nisakisahin'gny fahavalonay zeho.19 Avy manahaky reo ze sy bo nifeheziniha zahay, manahaky reo ze sy bo nitokavy tamin'gny agnaraniha."
Chapter 64

1"Endrey, no mahasaraky gny lagnisy Hanao dra mizosoa! Dra hiozongozo eo agnatrehanoha gny tendrombohisy, 2manahaky gny afo nofa mirehisdy amin'gny borosy hazo, na gny afo mapangotraky rano. Endrey, fa ho fatan'ireo fahavaloniha gny Agnaraniha, fa hangitakitaky eo agnatrehaniha gny firene!3Taloha, no nanao raha-mahalasa ze sy nambenanay Hanao, dra nizoso Hanao, dra nagnitakitaky teo amin'gny fagnatrehanao gny tendrombohisy. 4Hatramin'gny taloha dra sy nisy nahare na nahafatasy, na nahita maso Zagnahary laha-sy Hanao, ze manao raha ho an'ize miamby Anazy.5Avy magnapy reo ze mmifaly amin'gny fanaova gny mary Hanao, reo ze mahasiaro reo lalaniha sady magneky regny. Ory Hanao no nanota zahay.Avosy tamin'gny lalaniha avo zahay.6Fa avy manahaky reo maloto aby zahay, vo reo asam-pahamarignanay aby dra manahaky gny ravin-dambam-pasim-bola. Malazo manahaky gny ravy aby zahay; reo helokinay dra manahaky gny sioky, manday anay lavisy. 7Sy misy mitoka amin'gny Agnaraniha, na miezaky so hifikisy Aminiha. Fa nagnavony gny tarehiniha taminay Hanao sady mandamaky anay eo amin'gny tagnan'ireo helokinay.8Fe, ry Yaveh, Hanao gny Ranay; zahay gny tanimanga. Hanao gny pamolavola anay; vo zahay aby gny asan'gny tagnanao. 9Ka ory loasy, ry Yaveh, na koa mahasiaro reo otanay hanohisy anazy. Mbo miangavy ra atio zahay, olonao.10Nazary tany karakay reo tananiha masy; nazary tany karakay i Ziona, lao i Jerosalema. 11Gny tepolinay masy sady soa. ze nisiririan'gnyrazanay Aniha, dra ravan'gny afo, vo reo aby ze maminay dra nionga. 12Akory gny mbo hitazagnaniha avo. ry Yaveh? Akory Hanao gny mita fahangina sady mbo mangala baraka anay hatragny?"
Chapter 65

1" Fa vono gny ho ren'ereo ze sy nagnotany Zaho; vonogny gny ho hitan'ireo ze nitalia. Ho Zaho ho: 'Tihoky Zaho! Tihoky Zaho!' hoamin'gny firene ze sy nitoka gny agnarako. 2Fa namelasy gny tagnako totolo andro ho tamin'gny vahoaky mafy hatoky Zaho, ze mandeha amin'gny lala ze sy soa, ze fa nandeha araky gny saim-patany vo gny fikasany!3Ereo dra vahoaky ze sy misahasy manafintohy Anahy, manao soro ao amin'ireo zaridaina, vo magnoro ditin-kazo magnisy eo ambony tanimanga. 4Miamby eo amin'gny lolo ereo dra eo mandrisy gny hariva, vo mihina henan-ksoa mindray amin'gny ron'gny hena fahavetaveta eo an-dovian'ereo.5Ho ereo ho: 'Miataha, ka magnariny anahy, fa zaho dra masy kokoa noho hanao.' Reho raha reho dra teo am-bovoroko, afo ze magnoro mandrisy gny totolo andro.6ngo, voasorasy eo agnoloako ho: Sy hisigny Zaho, fa hapagnefa andreo; hamaly andreo am-pofoany,7 fa gny fahotan'ereo vo gny razany dra mitambasy," ho Yaveh. "Hamaly andreo nohon'gny fagnoroa ditin0kazo magnisy tao amin'ireo tendrombohisy vo nohon'gny fagnesoa Anahy tamin'ireo havoa. Nohozeho dra handresy reho asa vitan'ereo eo am-pofoany Zaho."8Zeho gny zakan'i Yaveh: "Manahaky gny ranom-boakazo hita ao an-tsampahom-boaloka, dra mizaka gny raiky ho: 'Ka simba iho, akory misy soa aminazy ao,' zeho gny hahiko nohon'gny amin'gny panopoko: Sy handripaky anazy aby Zaho.9Handay taranaky boaky amin'i Jakoba, vo boaky amin'i Joda ze hana reo tendrombohisiko Zaho. Reo voafidiko dra hana gny tany, vo gny panppoko dra hony ao. 10Soro dra ho avy fiaraky agnondry aman'osy, vo gny lohasahan'i Akora ho toera fapandrian'agnomby, ho an'ireo oloko ze mitalia Anahy.11Fa handrareo ze nanenga an'i Yaveh, ze magnadino gny tendrombohisiko masy, ze manoma latabasy ho an'gny zagnahary Gada, vo mameno divay gny finoma ho an'gny zagnahary Meny.12Handahasy aniha ho an'gny mesa Zaho, vo handrareo dra hiankohoky amin'gny fahafatesa aby, akory tamy Zaho nitoka, dra sy namaly handrareo; tamy Zaho nizaka, dra sy niteno handrareo. Fa nanao ze rasy teo agnatrehako sady nisafidy gny hanao ze sy mahafaly Anahy handrareo."13Zeho gny zakan'gny Tompo Yaveh: "Ingo, hihina gny panopoko, fa handrareo koa ho resy; ingo, hino gny panopoko, fa handrareo koa hangetaheta; ingo, hiravoravo gny panopoko, fa handrareo koa ho megnary. 14Ingo hikoraky fifalia gny panopoko nohon'gny hafaliam-po, fa handrareo koa hitomagny nohon'gny fahararian'gny fo, dra hidradradradra nohon'gny fahatorotoroan'gny fagnahy.15Hanenga gny agnarandrareo ho ozo ho an'ireo voafiliko so hizaka handrareo; Zaho, gny Tompo Yaveh, gny hamono andrareo; Ho tokavy amin'gny agnara hafa reo panopoko. 16Ndre ia ndre ia magnambara fitahia ao amin'gny tany dra ho voatahiko, gny Zagnahary gny fahamarigna. Ndre ia ndre ia mifata amin'gny tany dra mifata amin'gny alalako, gny Zagnahary gny fahamaringa, akory ho aligno reo loza taloha, fa hivony sy ho hitan'gny masoko reo.17Fa ingo, hamoro lagnisy vaovao vo tany vaovao Zaho; vo reo raha taloha dra sy saroa na hapasiahivy.18 Fa ho faly handrareo dra hiravo mandrakizay ao amin'ize vao ho foroniko. Ingo, hamoro an'i Jerosalema ho fifalia, vo gny poniny ho sitraky Zaho. 19Hiravoravo manera an'i Jerosalema, vo ho faly eo amin'ireo vahoakiko Zaho; gny tomany vo gny tarainan'gny fahoria dra sy ho re ao aminazy sasy.20Sy hisy zaza madiniky hiay andro masaiky sasy ao; na lahibe maty mialohan'gny androny. Ze maty amin'gny faha zato tao dra hevery ho olo maty tanora. Ze sy mahatratry gny faha arivo tao dra hevery ho voaozo. 21Hanory tragno ereo ka hitoboky ao amin'izeho, dra hamboly voaloboky dra hihina gny vihiny.22Sy hagnory tragno sasy ereo ka gny hafa gny hitoboky ao amin'izeho; sy hamboly ereo dra gny hafa gny hihina; fa gny andron'gny hazo misiry gny ho andron'gny vahoakiko. Gny voafiliko dra hisitraky feno gny asan'gny tagnany.23 Sy hiasa maiky ereo, na hiteraky so hapitahosy. Akory ereo vo reo taranany ddra zanak'ireo ze voatahin'i Yaveh.24Mialohan'gny hitovakan'ereo, dra hamaly Zaho; vo no mbo eo am-pizaka ereo, dra hiteno Zaho. 25Gny amboadia vo gny zanak'agnondry dra hiraky hiraoky, vo gny liona hihina mololo manahaky gny agnomby; fa botany gny ho sakafon'gny bibilava. Sy handrasy na hamotiky egny amin'gny tendrombohisiko sasy ereo" ho Yaveh.
Chapter 66

1Zeho gny zakan'i Yaveh ho: 'Gny lagnisy gny seza fiandrianako, vo gny tany gny fitoeran-tomboko, eza se gny fasange ze haoriniha ho Anahy? Eza gny toera ze ahafahako miala rokaky?2Gny tagnako gny nanao reo raha aby reo; zeho gny nahavy regny raha regny hisy_zeho gny fagnambaran'i Yaveh. Zao gny olo ze ekeko, ze torotoro sady manengy am-panahy, vo ze mangitakitaky amin'gny zakako.3Ze mamono agnomby dra mamono olo avo koa; ze manao soro gny zanak'egnondry dra manapaky gny vozon'amboa; ze manolosy fagnatisy hoany dra manolosy ran-kisoa; z manolosy ditin-kazo magnisy ho fahasiarova dra misaosy gny faharasia. Nisafily reo lalany ereo, dra nangalaky fahafinareta tamin'ireo fahavetavetany.4Manahaky anizeho koa gny hisafidianako gny fatrokafa andreo avo; hoandesiko eo amin'ereo ze hatahorany, akory nofa nitoka Zaho, dra sy nisy ndre raiky aza dra niteno. Nanao ze rasy teo amasoko ereo, sady nisafily gny hanao ze raha napahory Anahy."5Mitenoa gny zakan'i Yaveh, hanao ze mangovidy amin'gny zanaky ho: "Reo rahalahiniha ze malay vo magniliky aniha nohon'gny agnarako nizaka ho: 'Aoky homem-boninahisy i Yaveh, dra ahita gny hafalianiha Izy,' fa ho megnasy ereo.6Gny feon'aly mitabataba dra boaky agny amin'gny tana, feo baoky ao amin'gny tepoly, gny feon'i Yaveh mamaly reo fahavalony.7Tamy bo miesi-zaza izy, dra teraky; mialohan'gny fahararia ho eo aminazy, dra niteraky zazalelahy izy.8 Ia gny nahare raha manahaky anizeho? Ia gny fa nahita zaha manahaky anizeho? Sa ra ho teraky agnaty andro raiky gny tany? Afaky hiory agnatin'gny fotoa raiky gny firene? Tamy bo sy nihesi-zaza i Ziona, dra fa niteraky reo zanany.9Sa ra manday zaza amin'gny fahavonognan'gny fahateraha Zaho dra sy manenga gny zaza ho teraky?_nagnotany Yaveh. Na nanday zaza amin'gny fotoan'gny fiteraha dra hapihery anizeho?_magnotany Zagnahariniha."10Mifalia mindray amin'i Jerosalema dra mifalia ho anazy, Handrareo aby ze tia anazy; mifalia mindray aminazy, handrareo aby ze malahelo anazy!11 Fa hiteza hanao dra ho afapo; hapiegneny eo amin'ireo nonony hanao; fa hino zeho amin'gny hafenoa vo fahafinaretan'gny voninahiny be hanao.12Zao gny zakan'i Yaveh: "Handeha hapiely gny fagnambina manera anazy manahaky gny renirano Zaho, vo gny haren'gny firene hanahaky gny loharano mitondraky. Hinono amin'gny ilany hanao, ho eo an-sandriny, dra ho ahindrahindra eo amin'ireo pokopokony.13 Manahaky gny akaherezan'gny reny gny zanany, noho hakaherezako aniha, vo hakaherezy hanao ao Jerosalema."14Hahita anizeho hanao, dra hifaly gny foniha, vo gny tolaniha hisimoky manahaky gny ahi-maiso. Hapahafatarin'i Yaveh reo panopony gny tagnany. Fa hapiseho gny hahoriany hanohisy reo fahavalony Izy.15Fa ingo, avy mindray amin'gny afo, vo avy manahaky gny tafio-drivosy reo kalesiny so handay gny hafanan'gny hahoriany vo gny fizakany fatrasy miaraky amin'ireo lelan'afo. 16Fa hanao gny fisara amin'gny olombelo amin'gny alalan'gny afo vo gny mesany Izy. Ho maro reo ze hovoavonon'i Yaveh.17Magnamasy gny vatany sady magnalio gny vatany ereo, dra afaky milisy ao an-saha, magnaraky gny raiky ze eo agnivony mihina nofon-kisoa vo reo raha vetaveta manahaky gny voalavo." Ho avy amin'gny fiafara ereo _zeho gny fagnambaran'i Yaveh."18Fa fatako reoasany vo reo eriseriny. Ho avy gny fotoa no fa hamory tro firene vo reo fizaka aby Zaho. Ho avy ereo dra hahita gny voninahisiko. 19Hametraky famatara mahery eo amin'ereo Zaho. Boakeo dra handefa reo sisa sy maty baky amin'ereo agny amin'ireo firene Zaho: Agny Tarsisy, Pola, vo Lydia, pandefa zana-sipiky ze magnenza reo sipikiny, Amin'i Tobala, Javana, vo reo amoron-siraky alavisy ze sy nanehoan'ereo Anahy na nahitany gny voninahisiko.Hagnambara gny voninahisiko manera gny firene ereo.20Hapihey reo rahalahinao aby hiboaku reo firene aby ereo, manahaky gny fagnatisy ho an'i Yaveh. Ho avy amin'gny sovaly, vo agnatin'ireo kalesy, agnatin'ireo filanza, ambonin'ireo apondra, vo ambonin'ireo rameva, ho agny amin'i Jerosalema tendrombohisiko masy_ho Yaveh. Fa gny vahoakin'i Israely dra handay fagnatisy vary agnaty lasety malio ho ao am-pasangen'i Yaveh.21 Ndre gny ilany amin'ereo aza dra hofiliko ho pisoro vo Levita _ho Yaveh.22Fa manahaky reo lagnisy vaovao vo tany vaovao ze hahiko dra hitoby eo agnatrehako_zeho gny fagnambaran'i Yaveh_dra hitoby eo reo taranakiniha, vo hitoby eo gny agnaraniha. 23Fa amin'gny vola raiky ka hatramin'gny magnarany, dra gny Sabata raiky ka hatramin'gny magnaraky, ho avy hiankoho Aminahy reo olo aby_ho Yaveh.24Hiboaky ereo dra hahita reo fatin'olo ze nikomy hanohisy Anahy, fa gny kankana ze mihina andreo dra dy ho faty, vo gny afo ze handevy andreo dra sy ho voavono; dra ho dikidiky ho an'gny nofo aby zeho."

Jeremiah

Chapter 1

1Tahoky gny zakan'i Jeremia zanak'i Hilkia, raiky amin'ireo pisoro tao Anatota tao amin'gny tanin'i benjamina. 2Avy taminazy gny zakan;i Yaveh tamin'gny andron'i Josia zanak'i Amona, pazakan'i Joda, tamin'gny fahatelo amby folo tao nanzakany. 3Avy avo koa zeho tamin'gny andron'i Joiakima zanak'i Josia, pazakan'i Joda, hatramin'gny vola fahadimy tamin'gny tao faharaiky amby folo nanzakan'i Zedekia zanak'i Josia, pazakan'i Joda, nofa nala ho gadra gny vahoakin'i Jerosalema.4Avy taminahy gny zakan'i Yaveh, manao ho: 5" Talohan'gny nanaovako aniha tao am-bohoky, dra fa nifily aniha Zaho; talohan'gny niboahaniha tao am-bohoky dra fa natokako hanao; dra fa nanao aniha ho paminany amin'ireo firene Zaho." 6"Oh, ry Yaveh Tompo!" Ho zaho ho: " Sy mahay miresaky zaho, fa mbo tanora loasy."7Fa i Yaveh nizaka taminahy ho: " Ka manao ho 'tanora loasy zaho.' Fa sy mainsy mandeha hanao ndre eza ndre eza hagnirahako aniha, dra sy mainsy mizaka ze iaby handiliako aniha hanao! 8Ka matahosy andreo, fa miahy aniha so hamonzy aniha Zaho--- zeho gny fagnambaran'i Yaveh."9Vo dra naninzisy gny tagnany i Yaveh, nikasiky gny vavako, dra nizaka taminahy ho: "Androany, fa napetrako eo am-bavaniha gny zakako. 10Androany Zaho dra manendry aniha eo amin'ireo firene vo eo amin'ireo fanzaka, so hagnombosy vo handrodaky, so handripaky vo handrava, so hagnory sady hamboly.11Avy taminahy gny zakan'i Yaveh, manao ho: ' Ino gny hitaniha, ry Jeremia?" Ho zaho ho: " Mahita rasan-kazo amygdala zaho." 12Ho i Yaveh taminahy: " Fa nahita soa hanao, fa mitandry gny zakako Zaho so hahatateraky anizeho."13Avy taminahy fagnindrony gny zakan'i Yaveh, manao ho: " Ino gny hitaniha?" Dra ho zaho: "Vilagny mahama gny hitako, ze mangotraky gny tapony, mitongila magnavarasy." 14Ho i Yaveh taminahy ho: "Hisokasy lat'agny avarasy amin'ize iaby mony ao amin'iho tany iho gny loza.15Ambaran'i yaveh, fa hitoka gny foko aby lat'agny avarasin'gny fanzaka Zaho. Ho avy ereo, dra gny iaby dra hametraky gny seza fiandrianany eo amin'gny vavahady filira ao Jerosalema, hanohisy reo fefy aby magnodidy anizaho, sady hanohisy reo tanan'i Joda aby. 16Zaho dra hanogno lilim-pisara hanohisy andreo noho gny faharasian'ereo aby tamin'gny fahafoiza Anahy, amin'gny fangoroa ditin-kazo magnisy ho an'ireo zagnahari-kafa, vo amin'gny fanopoa reo ze namboarin'gny tagnan'ereo avo.17Aoky ho vono gny vataniha! Misangana dra zakao andreo ze iaby nandiliako aniha. Ka torotoror magnoloa andreo, so hanorototo aniha magnoloa andreo Zaho!18 Ingo! Androany Zaho dra fa nanao tana voaaro fatrasy, vo andry vy, vo fefy saba hanohisy gny tany manotolo ho aniha--- hanohisy gny pazakan'i Joda, reo manam-pahefany, reo pisorony, vo reo olo amin'gny tany. 19Hialy hanohisy aniha ereo, fa sy haharesy aniha, fa hianhy aniha Zaho so hamonzy aniha---zeho gny fagnambaran'i Yaveh."
Chapter 2

1Avy taminahy gny zakan'i Yaveh, manao ho: 2" Mandehana dra magnambara amin'i Jerosalema. Mizaka ho: "Zeho gny zakan'i Yaveh: Nahasiaro gny agnaraniha Zaho tamin'gnu sy fivadiham-pahatokianiha tamin'gny fahatanoraniha, gny fitiavaniha tamin'gny fotoa nivaliasika, nofa nagnaraky Anahy tagny an'efisy hanao, dra gny tany ze sy namafaza. 3Israely dra natoka ho an'i Yaveh, reo voloham-bokasy gny vokany! Ze iaby mihina amin'ireo voloham-bokasy dra nomelohy; avy tamin'ereo gny loza--- zeho gny fagnambaran'i Yaveh.4Tenoy gny zakan'i Yaveh, ry fianakavian'i Jakoba vo ry fianakavian'Israely aby. 5Zeho gny zakan'i Yaveh: " Ino gny olan'gny razambendrareo Aminahy, gny niala lavisy tammin'gny fagnaraha Anahy ereo? dra lasa nagnaraky sapy sy misy dikany vo lasa sy misy dikany ereo? 6Ereo dra sy nizaka ho: 'Eza i Yaveh, ze nanday anay niakasy lat'ao amin'gny tany Egypta? Eza i Yaveh, ze nitariky anay tagny an'efisy, tao amin'gny tanin'i Arahaba vo gny lavaky, tao amin'gny tany hay vo gny ezim-pito, tagny raiky ze sy misy ndre ia ndre ia mandalo sady sy misy mitoesy?"7Fa nanday andrareo tagny amin'gny tany Karmela Zaho, so hihina gny vihiny vo reo raha soa hafa! Fa nofa avy handrareo, dra nilotondrareo gny taniko, nahindrareo fahavetaveta gny lovako! 8Gny pisoro dra sy nizaka ho: 'Eza i Yaveh?' vo reo manam-pahaiza manoka amin'gny lalagna dra sy midary gny mahakasiky Anahy! Reo piaraky agnondry nanota taminahy. Reo paminany naminany ho an'i Bala dra nagnaraky reo raha sy mahasoa.9Dra bo hiapanga andrareo hatragny Zaho--- zeho gny fagnambaran'i Yaveh--- dra hiapanga reo zanaky gny zanandrareo Zaho. 10Fa miepita egny amin'gny sisin'i Kitima dra atio. Mandefasa panday hafasy ho agny Kedera dra taliavo sady atio no bo nisy raha manahaky tiky taloha. 11Nifanakalo zagnahary se gny firene, ndre dra sy zagnahary aby aza reo? Fe gny oloko dra nanakalo gny voninahis'ereo tamin'gny raha ze sy afaky manapy andreo.12Mihovisovisy gny lagnisy noho zeho! Aoky ho tofosy sady hihorohoeo--- zeho gny fagnambaran'i Yaveh.13Fa nanao rasy ro taminahy gny vahoakiko: Ereo dra nahafo gny loharanon'gny ranovelo, nihaly famorian-drano ho an'gny vatan'ereo, dra namaky famorian-drano ze sy mahata rano aby.14Sa andevo ra Israely? Teraky tao amin'gny tragnon'gny tompony ra izy? Dra nagnino izy gny nazary pandroba? 15Nierosy taminazy gny liona tanora. Nitabataba fatrasy ereo dra nanao gny taniny dra mahasiravy. Rava reo tanany dra sy nisy pony. 16Gny vahoakiko tao Memfisa vo Tapanesa avo koa dra hanarasy gny karan-doha. 17Sa sy nanao zeho tamin'gny vataniha ra hanao nofa nahafo an'i Yaveh Zagnahariniha, no bo nitariky aniha tamin'gny lala Izy?18Dra androany, nagnino gny mandeha amin'gny lalal ho agny Egypta vo mino gny ranon'i Sihora? Nagnino gny mandeha amin'gny lalan'i Asyria sady mino gny ranon'gny Onin'i Eofrata? 19Mandasa aniha gny harasianiha, magnasazy aniha gny fivalihaniha. Dra diniho zeho sady takaro fa nofa mahafo an'i Yaveh Zagnahariniha hanao dra rasy sady mafaisy zeho, dra ka matahosy Anahy--- zeho gny fagnambaran'i Yaveh Tompon'gny maro.20Fa nanapaky gny zioganiha ze nanagnaniha tamin'gny andro taloha Zaho; fa namaha reo gadraniha Zaho. Fa bo mizaka hatragny hanao ho: 'Sy hanopo zaho! akory bomiankohoky amin'gny havoa aby aby vo egny ambany hazo mandravy aby hanao, ry pizangazanga. 21Manahaky gny voaloboky nisafidiana gny namboleko aniha, boaky amin'gny vihy soa kokoa. Tamin'gny fomba akory gny nanova gny vataniha ho rasy, ho voaloboky rasy?22 Fa ndre magnalio gny vataniha amin'gny ony namanasa gny vataniha amin'gny savony mahery aza hanao, dra loto eo agnatrahako gny helokiniha--- zeho gny fagnambaran'i Yaveh Tompo.23Akory gny ahafahaniha mizaka ho: 'Sy maloto zaho! Sy nandeha nagnaraky an'i Bala zaho'? Atio ze nahiniha tao amin'ireo lohasaha! Diniho ze vitaniha--- rameva vavy malaky fandehana mihazakazaky etiky vo ero hanao, 24ampondradia zasy tany efisy, ze manimbolo hifoky rivosy! Ia gny afaky hanaka gny fagniriany? Amin'gny fotoa fahatairany dra sy misy lahy mila magnaraky anazy; fa hahita anazy ho anazy ereo. 25Sy mainsy feheziniha gny tomboniha nofa sy mana kapa vo gny tendaniha nofa mangetaheta! Fa nizaka hanao ho: 'Sy misy fagnatena zeho! Aha, tiako reo vahiny dra mandeha magnaraky anazy regny zaho!'26Manahaky gny fahafaham-barakan'gny pangalasy nofa hita izy, gy hahafa-baraka gny hasaveregnan'Israely--- ereo, gny pazakan'ereo, reo andrian-dahiny, reo pisorony vo reo paminaniny! 27Reo gny mizaka amin'gny hazo ho: 'Hanao gny rako', vo amin'gny vato ho: 'Hanao gny niteraky anahy.' Fa gny lamosin'ereo gny magnatriky anahy fa sy gny tarehin'ereo. Ndre dra zeho aza, dra mizaka ereo amin'gny fotoan'gny ola ho: 'MIsangana dra vonzeo zahay!'28 Eza reo zagnahary nahindrareo ho an'gny vatandrareo? Aoky ereo hiary no magniry gny hamonzy andrareo amin'gny fotoan'gny olondrareo, fa gny isan'gny tanandrareo dra mitovy amin'gny isan'gny sapindrareo, ry Joda!29a nagnino handrareo gny niapanga Anahy amin'gny fanaova gny sy mety? Fa nanota taminahy aby handrareo aby--- zeho gny fagnambaran'i Yaveh. 30Raha fahatany gny nagnafatrarako gny vahokiniha. Gny mesandrareo dra nandrapaky reo paminaniha manahaky gny liona pandrava! Handrareo ze an'itiky taranaky tiky! 31Tandremosoa gny zakako, dra gny zakan'i yaveh! Fa tany efisy tamin'Israely se zaho? Na tanin'gny hezim-pito laliky? Nagnino gny vahoakiko gny mizaka ho: 'Ndao sika hirerirery,sy handeha aminiha sasy zahay'?32Hagnadigno gny firavany se gny viriziny, vo gny apakary gny voaliny? Fa andro sy hita isay ze gny nagnadinoin'ereo Anahy! 33Akory gny hasoan'gny lalaniha hitalia fitia. Fa napianasy gny lalaniha tamin'gny apela rasy fagnahy aza hanao. 34Fa hita tegny amin'gny akazoniha gny lion'gny ain'ize sy manan-signy, gny an'gny olo mahantra. Sy hita nanao asa fandroba reo olo reo.35Fa ho koa hanao ho: 'Sy manan-signy zaho, fa niala taminahy vatany hahoriany.' Fe ingo! Zaho dra hisara aniha noho gny fizakaniha ho: 'Sy nanota zaho.' 36Nagnino gny hagnamevagnaniha itiky fiova tamin'gny fombaniha tiky? Ho diso fagnatena amin'gny Egypta avo koa hanao, manahaky gny tamin'i Asyria.37 Ho kivy avo koa hanao boky ao, mindray amin'gnu tagnanoha eo an-dohaniha, akory i Yaveh fa nanda reo ze nitokisaniha, dra sy ho apian'ereo hanao."
Chapter 3

1"No misy lelahy raiky misaraky amin'gny valiny dra miala aminazy izy dra lasa vlim'olon-kafa, dra bo hihery aminazy ndraiky se izy? Sy haloto be se zeho tany zeho? Fa niay manahaky gny pizangazanga ze mana sakeza maha hanao; dra bo hihery aminahy?--- zeho gny fagnambaran'i Yaveh. 2Apekariko agny amin'ireo momba gny masoniha dra atio! Misy toera bo sy naresaniha ara-nofo ansokosoko se? Teo amorondala hanao gny nitoboky nandigny gny sakezaniha, sahala gny Araba agny an'efisy. Fa nilotoniha tamin'gny fizangazanganiha vo gny faharasianiha gny tany.3Dra nitohagna gny loharano dra sy nazary gny fara-ora. Fa gny tarehiniha miavognavo, manahaky gny tarehin'apela mahasiravy. Nialviniha gny hasapa hegnasy. 4Bo fa nitoka anahy se hanao zeho ho: "Ry rako! Gny namako mariny boaky amin'gny fahatanorako! 5Dra ho ory aminahy avo se izy? Dra ho tananany hatramin'gny farany se gny hahoriany?' Ingo! Zeho gny fa nizakaniha, fe ahiniha gny rasy aby afaky ahiniha!"6Dra ho Yaveh taminahy tamin'gny andron'i Josia pazaka: "Fa itaniha se zay fivaliha nahin'gny Israely? Dra niakasy nanera gny havoa abo aby izy teo ambany ala mikitroky, vo tagny gny nanaovany manahaky gny fizangazanga. 7Ho zaho: 'Afaran'gny anaovany zeho raha aby zeho, dra hihery aminahy izy,' fe sy nihery izy. Bokeo gny anabavin'i Joda pivaliky nahita reho raha reho.8Koa dra hitako fa, tamin'gny fomba mitovy gny fa nizangazangan'Israely pivaliky sady fa nandroaky anazy zaho dra fa nomeko hanohisy anazy gny vavan'gny fisaraham-panambalia, gny anabavin'gny Joda pivaliky sy ba natahosy; niboaky avo koa izy dra nanao manahaky gny fizangazanga; 9sy nisy dikany taminazy gny fizangazangany; nitety gny tany izy; dra nanao fagnisakisaham-baly tamin'ireo vato vo hazo izy.10 Vo tafaran'izeho iaby zeho, gny anabavin'i Joda pivaliky dra nihery taminazy, sy tamin'gny fony aby, fa tamin'gny vandy--- zehi gny fagnambaran'i Yaveh."11Dra nizaka taminahy Yaveh ho: "Mary kokoa noho gny Joda pivaliky gny Israely pivaliky! 12Mandehana dra ambarao agny avarasy reo zaka reo. Zakao ho: "Miheregna, ry Israely pivaliky! --- zeho gny fagnambaran'i Yaveh! --- sy ho ory amindrareo foa Zaho. Hatramin'ize mahapatoky Anahy--- zeho gny fagnambaran'i Yaveh--- sy hizano ho ory mandrakizahy zaho.13Aoky hanao hieky gny helokiniha, akory fa nanota tamin'i Yaveh Zagnahariniha hanao; fa nizara gny fombaniha tamin'ireo vahiny ambany gny hazo midoroboky aby! Akory hanao sy niteno gny feoky! --- Zeho gny fagnambaran'i Yaveh. 14Miheregna, ry vahoaky manam-pinoa! --- zao gny fagnambaran'i Yaveh --- Zaho gny valindrareo! Halaiko handrareo, gny raiky boky amin'gny tana vo gny ro boaky amin'gny fianakavia, dra ho andesiko agny amin'gny Ziona hanadrareo! 15Homeko piaraky agnonfry araky gny foko handrareo, vo hiamby andrareo amin'gny fahaiza vo halalignan-say ereo.16Vo zao gny nitranga, hitombo hanao sady handay voankazo agny amin'gny tany amin'izeho andro zeho --- zeho gny fagnambaran'i Yaveh--- sady dra hizaka avo ereo ho: "Gny fiaran'gny faneken'i Yaveh!" Zeho raha zeho dra ho avy ao am-pon'ereo avo na ho saroa; sy ho banga zeho, sady gny raiky hafa sy ho vita.'17Amin'iho fotoa iho dra hagnambar mahakasiky an'gny Jerosalema ereo ho: 'Tiky gny seza fiandrianan'i Yaveh,' vo reo firenen-kafa aby dra hivory agny Jerosalema amin'gny agnaran'i Yaveh. Dra handeha amin'gny hamafisan-dohan'gny faharasian'gny fony avo ereo. 18Amin'izeho andro zeho gny hasaveregnan'gny Joda dra handeha ao amin'gny hazaveregnan'gny Israely. Dra hindray avy agny amin'gny tany avarasy ereo magnagny amin'gny tany ze nomeko gny razambendrareo ho lova.19Fa aminahy, ho zaho ho: "Endrey gny fagniriako hagnome voninahisy aniha manahaky gny zanadahiko vo hagnome aniha tany soa, lova soa loasy noho ze an'gny firenen-kafa! Sy mainsy hizaka zaho ho: "Hitoka anahy hanao ho: " Rako". Dra nizaka zaho ho sy tokony nivaliky tamin'gny fagnaraha anahy handrareo. 20Fe manahaky gny apela mahatoky gny valiny, fa namadiky Anahy hanao, ry hasaveregnan'Israely--- zeho gny fagnambaran'i Yaveh."21Re tegny amin'ireo tany lemaky gny feo, gny tomagny vo gny fiangavian'gny vahoakin'Israely! Fa nagnova reo fombany ereo, fa halignon'ereo Yaveh Zagnaharin'ereo. 22"Miheregna, ry vahoaky sy manam-pinoa! Ho sitragniko amin'gny fitaky handrareo." Ingo! Ho avy agny Aminiha zahay, fa Hanao gny Yaveh Zagnaharinay!23Ho avy egny amin'ireo havoa vatany reo vandy, gny feo mapisafotofoto boaky amin'ireo tendrombohisy; Yaveh Zagnahary vatany gny famonzen'Israely. 24Fa nanimba gny asan'gny razambe asika Reo sapiny mahamegnasy--- reo agnondry aman'osy vo gny biby fitezan'ereo, reo zanadahy vo zanakapelan'ereo! 25Engao zahay handry eo amin'gny fahamegnara. Andrakosy anay ra gny hegnasinay, fa nanota tamin'i Yaveh Zagnaharinay zahay! Zahay vatanay vo gny razambe anay, tamin'gny fotoan'gny fahatanoranay dra hatramin'izeho andro zeho, dra bo sy nahare gny feon'i Yaveh Zagnaharinay!"
Chapter 4

1" No mihery hanao, ry Israely--- zeho gny fagnambaran'i Yaveh--- dra Aminahy gny tokony hiheregnaniha. No halailina sy ho eo agnoloako reo raha maharikoriko vo sy hiala eo aminahy ndraiky hanao,2 dra aoky hanao ho feno fahamarigna, hahisy, vo ho mary nofa mifata ho: 'No bo velo koa Yaveh.' Dra ho sambasy ao aminazy reo firene, vo ao aminazy gny hagnomezan'ereo voninahisy." 3 Fa zeho gny zakan'i Yaveh amin'gny olo kiraikiraiky tao Joda vo Jerosalema: 'Gny taniniha avo gny hasao, sady ka mamafy egny amin'gny silo.4Forao ho an'i Yaveh gny vatandrareo dra alao gny holisy magnasarp gny fondrareo, ry lelahin'i Joda vo ponin'i Jerosalema, no sy zeho dra hiboaky sahala gny afo gny hahoriako, dra hirehisy sy misy hamono anazy, nohon'gny faharasian'gny asandrareo. 5Tatero agny Joda dra aoky zeho ho re ao Jerosalema. Zakao ho: "Sofy eo amin'gny tany gny asiva." Torio ho: "Mivoria. Ndao sika hagnagny amin'ireo tana voaoaro." 6Asandrato gny say famatara dra ahivo manondro an'i Ziona zeho, dra milefasa hitalia ferova! Ka mizano, akory handay loza boaky agny avarasy Zaho vo fandrodagna lahibe.7Misy liona hiboaky boaky ao an-kirihiny sady fa mienga gny olo ze handripaky gny firene. Manenga gny toera izy bo handay horohoro eo amin'gny taniniha, hamadiky reo tanandrareo ho faharava, ze sy hisy hitoboky. 8Noho zeho, rakofy lamba fandala gny vataniha, mitomania dra midradradradra. Fa sy niala tamisika gny herin'gny hahorian'i Yaveh.9Dra hitranga zay amin'izay andro izao gny fagnambaran'i Yaveh--- dra ho ketraky gny fonigny pazaka vo gny pifehiny. Hihoron-kolisy reo pisoro, dra hivarahonsa reo paminany."' Dra ho zaho ho: "Oh! Ry Tompo Yaveh. NAmitaky tiky vahoaky tiky vo Jerosalema vatany Hanao tamin'gny fizaka ho: 'Hisy fiadagna ho andrareo.'11amy zay fotoa zay dra hp zaka amy tihô boroza itiho hô :'' Hisy sioky magnoro laha tagny amy lemak'irek'eo efosy hanao gny lalany ho agny amy zanakapelany oloko. Sy hikororoky na hagnalio anazy reo zay. 12Hisy sioky mahery lavitsy noho zay ho avy amy fibaikoako , dra hagnome sazy anazy reo zaho.13Indro, mamely manahaky gny raho izy,dra manahaky gny tafiotra gny kalesiny. Manakim-pandeha noho gny voromahery gny sovalany. Loza ho atsika , fa ho rava isika! 14Liovy hiala amy faharasia gny fonao ry Jerosalema ba ho avotsy ianao. Ho Mandraky ombia gny fihevitrao laliky be no ho amy fahota? 15Fa nisy feo ninday vaovao lahatagny Dana, dra gny loza ho avy dra lahatagny an-tendrombohis'i Efraima.16Atovy sainy gny firenena zao: Indro, ambarao amin'i Jerosalema fa misy mpanao fahirano ho avy avy agny an-tany lavitsy ba hihiaky aly amy tanan'i Joda. 17Hanahaky reo mpiamby magnodidy gny saha fambolea izy reo hanohisy anazy, satria fa nikomy nanohisy anahy izy-zay gny fanizakan'i Yaveh-18dra gny fitondran-tenandrareo vo gny asandrareo dra nahavy reo raha reo tamindrareo. Zay gny ho famezigna andrareo. Mandanginy tokoa zay! Handona gny fondrareo mihitsy zay.19Ry foko! Ry foko! Matahosy gny ao am-poko. Mangorohoro ato agnatiko gny foko. sy afa-mangina zaho satria reko gny feon'anjomara, fanairana ho amy aly.20Gny loza ombany loza; fa mitoesy amy faharava gny tany manontolo. Tampoky teo dra rava gny laiko, vo gny lambako tao agnatiny fotoa bory.21Ho mandraky ombia no ahitako gny raha mitovy amin'izay? Lafa reko gny feon'anjomara? 22Fa gny fahadalany oloko-sy mahalala anahy ereo. Vahoaky molamola ereo dra sy mana fahazava-say . Kinga amy ratsy ereo, saiky sy mahay manao gny soa.23Hitako gny tany. Indro! Sy nisy poziny sady rava zay. Fa sy nisy fahazava ho agny lagnitsy teo.24Nitalaky gny tendrombohisy zaho.Indro, nangitikitiky ereo , dra gny havoa dra nihovosovosy. 25Nagnety zaho. Indro, sy nisy na iza na iza, dra gny vorony lagnitsy aby dra nilomahy avo koa. 26Nagnety zaho.Indro , tagny efisy gny tanim-boly dra gny tana dra voasito nizoso teo anatrehan'i Yaveh, teo anatrehany fisafoaky gny fahoriany.''27Zao gny zakan'i Yaveh:''Ho avy gny faharava avo koa gny tany iaby, Saiky sy ho torotoro tateraky zay. 28Noho zay atony zay, dra handala gny tany , dra gny lagnitsy agny agnambo dra hihamezy. Fa nambarako gny fikasako; sy hihemosy zaho; sy hivaliky amy fanatateraha anazy reo zaho.29Handositry amy kotaban'i mpitiki-sovala vo gny mpandefa tsipika miaraky amy zana-tsipika gny tana iaby; hilomalomay ho agny agn'ala ereo. Gny tana aby dra hianika egny amy toera feno vatovato;ho rava reo tana , satria sy hisy olo hony ao amin'ereo.30Dra amizao gny fanirava ianao, ino no ho ataonao? Fa na dra miakazo jaky avo ianao, mipozea firavaky volamena, dra magnabe kokoa gny masonao amy loko, reo lelahy ze nisiririsy anao dra fa nanda anao izao. Fa dra, mitalia hifofo gny ainao ereo.31Fa dra reko gny feony fangirifiria, fahoria manahaky amy fahaterahany zaza voloahan-teraky, dra gny feony zanakapelan'i Ziona. Misefosefo izy. Mamelasy gny tagnany izy ho: 'Loza ho anahy! Ketrak'ireo mpamono olo zaho.'''
Chapter 5

1''Milomalomay maneran'ireo lalan'i Jerosalema ; mitaliava avo koa egny an-kiazany tanany. Dra diniho vo eritsereto gny momba anizao: raha mahita olo na iza na iza manao gny marina dra miezaky mandeha am-pahatkia, dra hamela an'i Jerosalema zaho.2Na dra mizaka aza ereo ho:'Raha bo velo Yaveh,'dra manao fianiana diso ereo.''3Ry Yaveh, moa gny masonao sy magnety fahamarinana? Mamely gny olo ianao, nefa sy mahasiaro fangirifiria ereo. Nandresy tateraky anahy reo ianao, nefa sy bo mety madray fitsipiky ereo. Manao gny tavany ho fatrasy noho gny vato ereo, satria manda sy hibebaky.4Ka hoy zaho ho:''azo atoky fa olo majaly avo reo. Adala ereo ,satria sy mahalala gny lalan'i Yaveh, na reo lalan'Agnahary izy reo. 5Handeha ho agny amy olo agnambo zaho dra hagnambara gny hafats'Agnahary amin'ereo, fa farafarasiny ereo mahalala gny lalan'i Yaveh, reo lalany Agnahariny.''Kanefa niara-nandrava gny ziogany izy iaby;nanapaky gny ravaky vy ze namaheany anazy reo tamin'Agnahary izy iaby.6Noho zay dra hisy liona laha tao agnatiny kirihitrala hanafiky anazy reo. Hisy amboadia laha tagny Arabaha handrava anazy reo. Hisy leoparda mivony ho avy hanohisy gny tananan'ereo. Zay mandeha agny ambaliky gny tanan'ereo dra ho rava. Fa mitombo gny fandokan-dalan'ereo. Sy misy fetra gny asa fivalihan'ereo.7Nanao akory zaho gny tokony hamela anereo olo reo?Nagnenga anahy reo zanakao dra nanao fianiana tamin'ireo ze sy zagnahary. Namaha feno anazy reo zaho,fa nizangajanga feno dra nandeha maro an'isa tany amin'ereo tragnony mpivarotegna. 8sovala ao agnatiny fahararia ereo. Nirioriote hiray ereo. GNy lahy kirairaiky dra samy nihiaky tamy valiny mpiara-mony anazy aby.9Koa sy tokony hagnasazy anazy reo se zaho-zay gny fanambaran'i Yaveh-dra sy tokony hanao valifaty amy firenena manahaky anizay se zaho?10Miakara egny amy tanim-boalobony mifefy dra torotoroy.Fa ka mamotiky tateraky anazy reo. Alao gny volobok'ereo satria sy avy amin'i Yaveh reo voloboky gny taranak'Israely vo Joda-zay gny fagnambaran'i Yaveh. 12Niresaky diso momban'i Yaveh ereo dra hoy ereo ho:''Sy hanao na ino na ino Izy; sy hisy rasy ho avy amisika, dra sy hahita sabasy na mosary isika. 13Ho avy sioky reo mpaminany, sy ao amin'ereo gny zaka,ko ao ho atao amin'ereo ze zakan'ereo.''14Noho zay Yaveh, gny Zagnahariny gny maro dra mizaka zao:''Satria nilaza anizay ianao, dra indro, hatomboko ao am-bavanaro gny zakako.Hanahaky gny afo zay,dra itio vahoaky itio hanahaky gny hazo! Satria handevo anazy reo zay. 15Indro! handay firenena avy lavisy hanohisy andrareo zaho,dra taranak'Israely -zay gny fanambaran'i Yaveh-firenena maharisy zay,firenena taloha!Zay dra firenena ze sy fatandrareo gny fizakany, na ho azondrareo ze zakany.16Gny tragno-jana-tsipikany dra manahaky gny lolo misokaky.Miaramila avo koa izy iaby.17Noho zay dra ho levo gny vokatsindrareo, gny zanakindrareo lahy vo ampela avo koa,dra gny sakafondrareo.Hihina reo agn'ondry vo osy vo biby fitezandrareo ereo;hihina gny vokasy laha tamy voaloboky vo hazon'aviavindrareo ereo.Handrava amy sabasy gny tana mifefindrareo ze itokiandrareo ereo.18Fa na dra tamin'ireo andro reo avo- zao gny fagnambaran'i Yaveh-Dra sy manan-kevitsy gny hamotiky tateraky andrareo zaho.19Fa gny mizaka iandrareo, ry Israly vo joba ho:'Nanao akory Yaveh Zagnharisika gny nanao anio araha iaby io tamisika?'Dra laha teo ianao ,ry Jeremia, hizaka amin'ereo ho:'Manahaky gny nafozandrareo an'i Yaveh vo nanompoandrareo zagnahary vahiny teo amy tanindrareo, dra sy maisy hanompo vahiny eo amy tany ze sy andrareo avo koa iandrareo.'20Tony agny amy taranak'i Jakoba itiho dra ao ze ho ren'i Joda. Lazao ho:21'Tenoy itiho, iandrareo ry vahoaky mola zay sy mana fahazava-say ; ze mana maso fa sy afa-mahita , dra mana sofy iandrareo fa sy afa-mandre. 22Sy matahosy anahy se iandrareo-zay gny fagnambaran'i Yaveh-na mampangitikitiky manoloa gny tavako?Nametraky tora-pasiky nanohisy gny ranomasy zaho, lalana fa mihatra zay sy afaky dikaina zay-na dra mikopakopaky gny ranomasy .dra sy bo mahadika anazy zay.Na dra mikopakopaky mierona aza zay ,dra sy hihoasy an'izay.23Fa mana fo fatrasy itio vahoaky itiho. Mivily agny amy fikomiana zay dra nagnenga. 24Satria izy reo dra sy nizaka tao am-pon'ereo ho :''Ao isika hatahosy an'i Yaveh Zagnaharisika, gny mitonday gny ora-gny loha-ora vo fara-ora-amy fotoan'izay,mihazo reo herinandro voatondrony vokasy reo sy hitranga gny helokindrareo. Nanaka gny soa ho avy amindrareo gny fahotandrareo.26satria hitako teo amign' ny oloko gny rasy fagnahy. magnety manahaky gny olo mamisaky hanambosy voro izy reo; nametraky fandriky izy reo nanambosy olo. 27Manahaky gny agny feno voro, dra feno fitaky gny tragnon'izy reo. Dra mihamitombo izy reo dra lasa mana-karena. 28Niha natavy izy reo; namirapirasy amigny fahamandinana. Nisaky gny faharasia aby izy reo. Sy mitaraina amigny raharahan'ny olo izy reo, na gny raharahan'ny kamboty. alamy izy reo na dre sy nagnome rariny gny olo mitalia fagnapia aza. 29Sy tokony hagnasazy anazy reo noho gny raha reo se zao__izay gny fizakan'i Yaveh__dra sy hamaly faty gny firenena manahaky itiky se zaho?30Habibiana vo horohoro gny nitranga teo amigny tany. 31Maminany ami-fitaky reo paminany, dra manapaky amigny fahefany manokana reo pisoro. Tian'ny oloko izay, fa ino gny hitranga amigny farany?'''
Chapter 6

1Mahita filaminana. ry vahoakin'i Benjamina amigny fagnanga an'i Jerosalema. Sofy ao tekoa gny Trompetra. Mapiakara famatara manera an'i Beti-hakerema, satria misy faharasia miseho avy agny avarasy; misy fanorotoroa lahibe ho avy. 2Gny zanaky vavin'i Ziona, gny vehivavy vo malemy, dra ho torotoro. 3Ireo piarakandro agnondry vo gny osy reo dra handeha ho agny amin'izy reo; hanoby gny magnodidy anazy aby izy reo; gny lelahy kiraikiraiky avy dra hiamby amigny tagnany manoka4Manolora vata amireo zagnahary ho amigny aly. Misangana, handeha isika hanafiky amigny mitatao vovogna. Rasy loasy gny folakandro gny andro, raha gny milasaky gny alokigny hariva. 5Fa aoky sika hanafiky amigny hariva dra handrava reo ferova fatrasy."6Fa Yaveh toponigny maro dra mizaka anizao: Tapaho gny hazony, dra mamboara tovo-tana hanohera an'i Jerosalema. Io gny tana soa tafihy, akory feno fapahoria gnao. 7Manahaky gny loharano mamoaky rano, dra manohy mamokasy faharasia io tana io. Herisetra vo korota gny re ao aminazy; arety vo rasy mandrakariva gny eo agnatrehanigny tavako. 8Hagneo gny fisipiky, ry Jerosalema, raha sy zay dra hivaliky amindrareo zaho dra handrava andrareo, ho tany sy misy ponina."'9Yaveh toponigny maro dra mizaka anizao: "Azo atoky manahaky gny tanim-boaloboky ereo. Ahiziro ndraiky gny tagnanao ba hioty reo voaloboky egny amigny hazom-boaloboky. 10Amin'iza gny tokony hitaliliako vo hapitandremiko vo hiteno ereo? Ingo! sy voatapaky gny sofin'ereo; sy afaky gny hifatokyereo! Ingo! Fa avy tamin'ereo gny zakan'i Yaveh ba hagnisian'anereo, fe seky sy taliavin'ereo zay."11Fa zaho dra feno gny haorian 'i Yaveh. Rokaky gny mifahasy amizay zaho. Hoy izy taminahy ho: "Arosaho amireo zaza egny an-dala vo reo pamaraky maro zay. Fa gny lelahy aby dra hala amigny valiny; dra gny zokiolon'aby fa nahazo tao. 12Gny tragnon'ereo dra hame gny hafa, miaraky amireo tany vo gny valin'ereo. Fa ho tafihiko amigny tagnako gny ponina ao amigny tany__ zay gny fizakan'i Yaveh.13Nizaka Yaveh fa manomboky amigny masaisaiky indrindra dra hatramigny lahibe indrindra, izy aby dra fatra-pitaliava harena amigny sy rariny.Manomboky amigny paminany hatramigny pisoro, izy aby reo dra samy pamitaky. 14Nagnasitrany gny ratran'ireo vahoako mora fosiny izy reo, nizaka ho: ''Fiadagna! fiadagna!' tamigny sy nisy fiadagna tao.15Afa-baraka se izy ireo aby nanao fametavetana? Sy afa-baraka izy reo;sy mahay mivara-mena izy reo! koa hiazera mindray amin'ireo lavo izy ireo; ho andesy mizoso izy reo aby nisazy, hoy Yaveh.16Izao gny zkan'ny Yaveh : ''misagana eo amign'ny sampaman-dala atiao; agnotanio gny lalana taloha.' Avy eo dra mandehana mandahana amin'izaho dra mitaliava toera fialasasasy ho andrareo. Fa hoy gny vahoaky ho: 'Sy handeha izahay.' 17Nitodro mpiamby ho andrareo zaho ba hiteno gny trompetra. Fa hoy ereo ho:'Sy hiteno izahay.'18Noho zay,ry firenena, tenay!Indro,hijoro vavolombelo amin'izay hitsanga amin'ereo inadrareo.19Tenoy,ry tany!Indro,handay loza eo amitio vahoaky itio zaho-gny vokasy gny erirserisin'ereo.Sy nindary gny zakako na gny didiko ereo,fa nanda anizay.''20Mazary ino ho anahy gny fiakarany ditin-kazo magnisy laha tagny Seba? Dre reo ngnembony malefaky laha tagny amy tany lavitsy? Sy azoko eke gny fagnatisy oroandrareo,dre reo sorondrareo.21Ka nizaka anizao Yaveh ho:'Indro,hametraky saka amitio vahoaky itio zaho.Ho tafitohy eo amin'izay ereo-miaraky ao ireo ray vo ireo zanadahiny.Ho ringana avo koa reo mpony vo ireo mpiara-belo.'22Zao gny zakan'i Yaveh ho:'Indro, hisy vahoaky ho avy laha tagny amy tany avarasy.Fa misy firenena lahibe fa nampirisihina ho laha tagny amy tany lavisy.23Hinday tsipika vo lefo ereo.Feno habibia izy reo dra sy mana famindram-po.Manahaky gny fierony gny ranomasy gny feon'ereo,dra mitikisy sovala mitan-dahasy manahaky gny lelahy mpialy izy reo,ry zanakapelan'i Ziona.''''24Fa nahare gny vaovao momba anazy reo izahay.Gny tananay dra lasa malemigny fahoria.Voasambosy gny fatahora manahaky gny ampela minday vohoka izahay.25Ka miboaky egny amireo saka, dra ka mandeha egny aminazy reo lalana, akory gny sabas'ireo fahavalo vo gny horohoro dra egny aby. 26Ry zanakivavinigny olo, misikina lamba fandala dra mihosegna eo amigny botany gny fandevegna ho anigny zaza toka. Atovy mafaisy ho anigny vatandrareo gny fandevegna, akory ho avy tapoky eo amisika gny pandrava.27"Ry Jeremia, fa nanao anao ho pagnety gny vahoako manahaky gny pisapa vy zaho, noho izay dra hagnadihady dra hagnety gny fomban'ereo hanao. 28Izy aby reo gny tena maheriloha faratapony amigny vahoaky, ze miroso amigny fagnendrikendreha an'ireo hafa. Izy aby reo dra varahy vo vy, pandrabiraby. 29Reo fisofa dra maikigny afo ze magnoro anereo; gny firaky dra levo agnatin'afo. Nitohy gny famonia teo aminereo, fa sy misy dikany zay, akory sy bo niala gny rasy. 30Ho tokavy ho volafosy sy lany reo, akory fa nilagnin'i Yaveh."
Chapter 7

1Izao gny zaka ze avy tamin'i Jeremia laha tamin'i Yaveh :2''Mijoroa eo am-bava pefy gny tragnon'i Yaveh dra ambarao itio zaka itio! Zakao ho:''Tenoy gny zakan'i Yaveh, Iandrareo ry Joda aby, iandrareo ze milisy ao amin'ereo fefy reo ba hanompo an'i Yaveh.3Yaveh tompony gny maro, Zagnaharin'Israely, dra nizaka ho:amboaro gny lalandrareo dra manova gny soa, dra hanohy gny hiay ao amin'itio toera itio zaho.4Ka mitoky amin'ereo zaka mamitaky manao ho:''Tempolin'i Yaveh! Tempolin'i Yaveh! Tempolin'i Yaveh!''5Fa raha manamboasy gny lalandrareo tokoa iandrareo sady manao gny soa; raha tena magntateraky feno gny rariny eo amy olo vo gny mpiara-belo aminazy tokoa iandrareo-6raha sy manararaosy gny mizano eo aminigny tany, reo kamboty, na reo mpinday vata iandrareo dra ka mandasa-dran'olo sy mana-signy eo amin'izay toera zay,dra ka manaraky reo zagnaharin-kafa ampahoria gny vatandrareo avo-7dra hamela andrareo hitoesy eo amin
8Indro! Iandrareo dra matoky reo zaka fitaky ze sy magnapy andrareo.9Moa se andrareo mangalasy, mamono, vo mijanganjanga? Mianiana amy fitaky se iandrareo dra manolosy litin-kazo magnisy ho an'i Bala dra magnaraky reo zagnaharin-kafa ze sy bo fatandrareo? 10Dra avy hijoro eo anatrehako ato amin'itio tragno itio ze nitokavy amy agnarako se iandrareo dra izaka ho:''Avosy izahay,''ba ahafahandrareo manao reo fahavetaveta iaby reo?11Moa se itio tragno itio, ze minday gny agnarako , zohin-jiolahy eo amasondrareo? Kanefa indro, fa hitako zay- zay gny fanambaran'i Yaveh.'12Koa mandehana agny amy fitoerako ze agny Silo, zay namelako gny agnarako hitoesy tagny am-piandohana, dra hatio gny nanovako anazy noho gny faharasiany vahoakin'Israely.13Koa amizao , nohony fanaovandrareo reo fanovandrareo reo aby-zao gny fagnambaran'i Yaveh-nizaka tamindrareo ombeny ombeny zaho, nefa sy niteno iandrareo. Nampitoka andrareo zaho, nefa sy namaly iandrareo.14Noho zay, ze nataoko tamin'i Silo, dra ho ataoko amin'itio tragnoze nitokava amy agnarako itio, gny tragno ze nitokiandrareo, itio toera itio, gny nomeko andrareo vo gny razandrareo itio.15Fa handroaky andrareo sy ho eto anatrehako zaho manahaky gny fa nandroahako reo rahalahindrareo aby, reo taranak'i Efraima aby.'16Raha gny aminao, ry Jeremia, ka mivavaky ho an'itio vahoaky itio, dra ka manandrasy gny fidradradrana fitomagnia na manono vavaky amy agnaran'ereo, ka mangataky aminahy, fa sy hiteno anao zaho.17Moa se sy hitanao gny atan'ereo amin'ireo tananan'i Joda vo egny amin'ireo lalan'i Jerosalema? 18Mamory hazo reo zaza dra reo raiky mandrehisy afo! Reo ampela mandisa koba hanova mofo mamy ho agny mpazaka ampelany lagnisy vo mandraraky fagnatisy nomy ho an'ireo zagnahan-kafa ba hiasian'ereo anahy.19Tena mihasy anahy vtany se izy reo?- zao gny fagnambaran'i Yaveh-moa se sy gny vatan'ereo avo gny hihasianereo, koa ao amin'ereo avo zay fahamegnara zay/ 20Noho zay dra zao gny zakany Tompo Yaveh:'Indro, gny fahoriako vo gny fahavignirako dra ho avy amin'ityo toera itio, aminigny olo vo gny bibidia, amy hazo egny amin'ireo saha vo gny tegnany eo amy tany. Hirehisy zay dra sy ho maty vatany.'21Zao gny zakan'i Yaveh tompony maro, Zagnaharin'Israely:' Hatovano amin'ereo sorondraeo vo gny hena laha tagny aminazy reo fagnatisy oroandrareo.22Fa gny ninday gny razandrareo hiala laha tao amy tany Egytpa zaho,dra sy nitaky na ino na ino tamin'ereo. Sy nagnome didy anazy reo momba gny raharahany fagnatisy oroa vo gny soro zaho .23Izao gny didy zao avo gny nomeko anazy reo:'Tenoy gny feoko, dra ho Zagnaharindreo zaho dra iandrareo ho oloko. Koa mandehana amy lala aby ze nandidiako andrareo , ba hahitandrareo gny soa.''24Kanefa sy niteno izy ireo dra sy nitandry . Niay tamy fikasan-drasy gny fon'ereo avo izy reo, ka nihemosy , fa sy nandroso.25Hatraminigny andro niboahany razanadrareo laha tao amy tany Egytpa ka hatramin'izao andro zao, dra fa nandefa gny kirairaiky tamin'ereo mpanompoko, reo mpaminaniko, tagny amindrareo zaho. Nikiry tamy fandefasa anazy reo zaho.26Nefa sy niteno anahy ereo. Sy nidary ereo. Fa nagnamafy hatoka ereo. Rasy fagnahy mihoasy noho gny razambeny ereo.27Dra ambarao amin'ereo gny zaka iaby igny,fa sy hiteno anao ereo. Ambarao amin'ereo zay raha aby zay,fa sy hamaly anao izy eo. 28Zakao ereo fa itio gny firenena sy miteno gny feon'i Yaveh Zagnahariny dra sy mandramby fagnanara. Rava gny fahamarinana dra niala tamy vavan'ereo.29Tapaho gny volonao dra arato gny vatanao, dra ario gny volonao. Mihira hira fandana egny ankalamajana.Fa Yaveh dra fa nanda vo nahafo itio taranaky itio tamy fahahoriany.30Fa nanao rasy teo amasoko gny zanak'i Joda-zay gny fagnambaran'i Yaveh-nandefa gny raha-mampagnelagnelaky an'ereo tao amy tragno ze tokavy amy agnarako izy reo , ba handoto anizay.31Laha teo dra nagnory gny toera abo Tofeta ze agny amy lohasahan'i Ben-Hinema izy reo.Nanao anizay izy reo hagnoroa reo zanadahy vo zanakapelan'ereo amy afo-raha zay sy nandidiako,na naheriloha tao amy saiko ra.32Koa indra, ho avy reo andro-ze gny fanambaran'i Yaveh-fa gny sy ho tokavy ho Tofeta na lohasahan'i Ben-Hinema sasy zay;handevy gny faty ao Tofeta ereo mandra-paha sy misy toera sasy.33Gny fatin'itio vahoaky itio dra ho sakafony voronigny lagnisy vo ho an'ereo bibinigny tany,dra sy misy na iza na iza hampatahosy anazy reo sasy.34Ho farazanako reo tananan'i Joda vo reo lalan'i Jerosalema,gny feony fifalia vo feo gny firavoravoa, gny feony mpampakasy vo gny feony ampakary,fa ho rava gny tany.''
Chapter 8

1"Amizay fotoa zay__ zao gny fagnambaran'i Yaveh__ handesin'ereo hiboaky reo lolo gny tolan'ireo pazakan'i Joda vo reo mana-pahefany, reo tolan'ireo pisoro vo reo paminany, vo reo tolan'ireo ponin'i Jerosalema. 2Dra haparitak'ereo eo amigny fahazavanigny masoandro vo gny vola vo gny kitan'aby egny amigny lagnisy reo; reo raha egny amigny lagnisy ze narahin'ereo vo nitopony, ze nitopony vo nifotopotorin'ereo, dra niakohofan'ereo. Sy havory reo tola dra sy halevy sasy. Hoanahaky gny botany egny amigny velara-tany ereo. 3Egny amigny toera sisa tavela ze nindesako anereo, dra hifily gny fahafatesa ereo fa sy gny maiky, gny volon'aby amin'ity firenena rasy tihoky__ izay gny fagnambaran'i Yaveh toponigny maro.4Ko zakao ereo ho: 'Izao gny zakan'i Yaveh: Nisy niazera ra dra sy niary? Nisy olo levo ra dra sy nagnandra gny hevery? 5Fa nagnino ty vahoaky tihoky, ry Jerosalema, gny nivily maharisy tamigny sy fanagna-pinoa? Mifikisy amigny fitaky ereo dra manda gny hibebaky.6Nitandry soa zaho dra niteno, fa sy nizaka mary ereo, sy nisy na raiky aza mizaka ho: "Ino gny nataoko?'' Nandeha tagny amize niriny aby izy aby, manahaky gny sovala lahiny mihazakazaky amigny aly. 7Na gny vagno egny amigny lagnisy aza mahay gny fotoa mety; vo reo domoina, sidisidy, dra gny vanobe. Mandeha amigny fifindra-mony ereo amigny fotoa mety, fa gny oloko dra sy mahay gny didin'i Yaveh.8Nagnino gny hizakandrareo ho: "Hendry sika, fa gny lalan'Yaveh dra momba asika"? Eh vatany, ingo! Gny peny pamitakigny panora-dalana dra fa namoro fitaky. 9Gny lelahy hendry dra ho afa-baraka. Raiki-tahosy ereo dra voafandriky. Ingo! Nanda gny zakan'i Yaveh ereo, ko atao ino gny fahendren'ereo? 10Dra hagnome gny valin'ereo ho anigny hafa zaho, dra reo tanimbolin'ereo ho anize mana reo ho fanagna, akory manomboky amigny masaiky dra hatramigny lahibe, izy aby dra tia vola azo boakamigny sy rariny. Hatramigny paminany dra hatramigny pisoro, izy aby dra manao fitaky.11Nagnasitrany gny rasin'ireovahoako maro fosiny ereo, nizaka ho: "Fedagna, fedagna," tamigny sy nisy fiadagna tao. Megnasy ra ereo aby nanao reo fahavetaveta? 12Sy megnasy ereo; sy fatas'ereo ze ho mivoara-mena! Dra hezera eo amireo lavo ereo; handesy mizoso ereo gny fa voasazy, hoy Yavehy. 13Hangalaky anereo tateraky zaho__ zay gny fagnambaran'i Yaveh__ sy hisy voaloboky amigny hazom-boaloboky, na amigny hazon'aviavy aza dra sy hisy aviavy. Dra halazo gny raviny, dra ze nameko anereo dra ho levo.14Nagnino sika gny mitoby eto? Handeha hiaraky; handeha isika ho agny amireo tana voaaro fatrasy, dra hazary ho gy amigny fahafatesa agny sika. Fa hapegny asika i Yaveh Zagnahary. Hapino rano misy poizy asika izy, akory fa nanota taminazy isika. 15Manatena fiadagna sika, nefa sy hisy raha soa. Manatena fotoa-pagnasitragna sika, nefa ingo, hisy horohoro.16Re boakagny Dana gny feofiefon'ireo sovala hahiny. Mihozongozo gny tany manotolo noho gny feonigny fieron'ireo sovala matazaky gny tany vo gny hareny, gny tana vo reo ze mipetraky ao, 17fa ingo, handefa bibilava amindrareo zaho, dra vipera ze sy ho azondrareo tambatambazy. Hanifasy andrareo reo__ zay gny fagnambaran'i Yaveh."'18Sy mana-pahatapera gny alaheloko, dra marary gny foko. 19Ingo! Gny feo mihiakigny zanakapelanigny vahoako boak'agny atany lavisy! Sy ao Ziona ra Yaveh? Na sy ao ra gny pazaka? Nagnino ereo gny manafitihy anahy amireo endrik'asa voasokony vo reo sapy vahiny sy misy dikany?20Fa nandalo gny fotoa-piziza, tapisy gny fahavarasy. Nefa sy voavozy isika. 21Narasy zaho nohonigny rasinigny zanakapelanigny vahoaky. Malahelo gny amireo raha mapasiaky ze nahazo anazy zaho; reki-tahosy zaho. 22Sy misy fanafody ra ao Gileada? Sy misy pagnasitrany ra ao? Nagnino gny sy hitranga gny fagnasitragna gny vahoakiko?
Chapter 9

1Raha ba afaky mamokasy rano moa gny loahako, dra gny masoko ho loharanon-dranomaso! fa magniry gny hitomagny andro aman'aly zaho ho an'ireo zanakapelanigny oloko ze nivonony. 2Raha ba misy olo afaky magnome gny toera ho an'ireo pivahiny honahy honegna agny agnefisy, ze ahafahako magnenga gny oloko. Raha ba afaky magnenga anereo zaho, akory izy aby dra pizangazanga vo pamadiky maromaro! 3Yaveh dra nitalily ho: "Magnitrifa gny sipikan-daingany amigny lelany ereo, nefa sy nohonigny fahatokian'ereo gny mapatazaky anazy amigny tany. Niala tamigny asa rasy raiky ereo dra milisy amigny raiky hafa. Sy mahafatasy Anahy ereo."4Handrareo sirairay aby, mitandrema amignynamandrareo dra ka matoky reo rahalahy. Fa gny rahalahy aby dra pamitaky vatany, dra gny nama aby dra mandeha amigny fagnendrikendreha. 5Gny olo sirairay dra maniratsira gny namany dra sy mizaka gny marina. Gny lelan'ereo dra mapianasy raha vandy. 6Gny fonegnandrareo dra eo agnevonigny fitaky; tao agnatinigny famitahan'ereo dra manda gny hagneky anahy ereo__ zay gny fagnambaran'i Yaveh."7Yaveh Toponigny maro mizaka ho:''Indro, Izaho fa hagnety toesy vo hisapa anazy ireo, fa ino avo koa gny afaky ataoko, nohogny amin'izay nataony oloko?8Gny lelan'ereo dra zana-sipika maragnisy;miresaky raha sy mahatoky izy ireo . Amy vavany gny hagnambarany fiadana amin'ireo namany, fa amy fony gny hanovany otriky ho anazy reo.9Sy tokony hagnasazy anazy ireo se zaho noho gny amin'ireo raha ireo- fagnambaran'i Yaveh zay-dra sy tokony hamaly faty amy firenena manahaky anizao se gny vatako?10Hihasahasa hira fandala vo fidradradradra ho an'ireo tendrombohisy zaho, dra gny hiram-pandevegna dra hirahy eo amin'ireo tanin'ahitsy.Fa nagnoroa izy ireo ka sy misy afaky miriosy amin'izay. Sy hahare feonigny biby fiteza sasy izy ireo. Reo voronigny lagnisy vo reo biby dra nandositry avo koa. 11Koa dra hataoko ho atotapaharava i Jerosalema, vo firen'ereo ambodia. Reo tanan'i Joda dra hataoko toera rava sy misy mpony.''12Iza gny olon-kendry mahatakasy an'izay? Ho an'iza gny niresahany vavan'i Yaveh, ka hagnambara anizay izy? Fa ino gny nahasola gny tany vo nandrava anazy manahaky gny efisy ze sy ahafahan'iza na iza mandalo?13Hoy Yaveh ho:''Satria izy ireo nahafo gny lalako ze napetrako teo anoloany,satria sy niteno gny feoko na nandeha tamin'izay izy ireo. 14Satria izy ireo dra nandeha taminigny ditrany gny fony vo nagnraky ireo Bala manahaky ze nampianarin'ereo razambeny anazy ireo hatao.15Noho zay Yaveh Tomponigny maro, gny Zagnaharin'Israely, mizaka ho:'Indro, hampihinaniko hazo mafaisy vo hampinomiko rano misy poizy itio vahoaky itio.16Dra haeliko manera ireo firenena ze sy bo fatan'ereo, na izy ireo na gny razamben'ereo.Handefa sabatra hamely anazy ireo zaho mandra-paharava anazy ireo tateraky.'''17Yaveh Tomponigny maro nizaka ho:''diniho izao:Mitoka mpihiram-pandevena;ao izy ireo ho avy. Mampitoka ampela manam-pahaiza amy fitomagnia;ao izy ireo ho avy.18Ao izy ireo ho avy malaky ka hihirahira fandala eto amisika, ka ho feno ranomaso seky gny masosika dra ho tombakiny gny rano gny hodi-masosika .19Fa gny feogny fidradradradra da reny agny Ziona,'Endrey gny faharavasika.Megnasy tateraky isika, satria nagnenga gnt tany isika hatramigny nandravany gny tragnosika.'20Koa iandrareo ry ampela, tenoy gny zakan'i Yaveh;tandremo reo hafany ze laha taminigny vavany.Koa ampianaro hira fandala gny ampela namandrareo kirairaky aby.21Fa gny fahafatesa dra avy boak'eo amigny vatrangarakelisika; nilisy ao amireo lapasika zay. Mandringa reo zaza boak'agny ivelany izay, vo reo tovolahy egny akiazanigny tana. 22Zakao amizao, "Zay gny fagnambaran'i Yaveh__gny fatin'ireo lelahy dra hiraraky manahaky gny zeziky egny asaka, dra hanahaky amboaram-bary ao afaran'ireo panapaky, dra sy hisy olo hamory an'izay."'23Zao gny zakan'i Yaveh: "Aoky gny hendry sy hirehareha amigny fahendreny, na gny lelahy pialy amigny heriny. Aoky gny panakarena sy hirehareha amigny harenany. 24Fa raha misy olo mirehareha ami-raha, dra angao amizao zay, fa mahafatasy anahy vo gny ao agnatiko izy. Fa Izaho gny Yaveh, ze miasa amigny fagneke sy mivaliky, gny rariny vo gny hisiny eo atany. Fa amizay gny ahazoako fafinareta__ zay gny fagnambaran'i Yaveh."25"Ingo, avy reo andro__zay gny fitalilian'i Yaveh__gny fa hagnasazy reo voafora aby amigny nofony avo zaho. 26Hagnafay an'i Egypta vo i Joda, Edoma, gny vahoakinigny Amona, Moaba, dra gny olon'aby ze manapaky gny volon-dohany ho tena bory zaho. Fa reo firenena aby reo dra sy voa tapaky, dra gny akohonan'i Israely aby dra mana fo sy voafora."
Chapter 10

1''Tenoy gny zaka ze ambaran'i Yaveh andrareo,ry ankohonan'Israely. 2Izao gny zakan'i Yaveh:''Ka mianasy gny lalan'ireo firenena ireo, dra ka raiki-tahosy gny amin'ireo famatara egny amy lagnisy , fa ireo firenena dra raiki-tahosy noho ireo.3Fa gny fomba fanao ara-pivavahan'ereo olo ireo da sy misy dikany. Nanapaky hazo tagny agn'ala izy ireo, dra gny mpanao asa-tagnana misokisy gny hazo.4Laha teo dra pozen'ereo amy volafosy vo volamena zay. hamafisiny amy tatagna vo fasiky ba sy ho lavo zay.5Gny amboarigny gny tagnan'ereo dra raha manahaky ireo kaly mampatahosy egny an-tsahan-kaonkaombira, satria ireo koa, dra sy afaky mizaka dre ino dre ino, dra sy maisy lazan'ereo satria sy afaky mandeha. Ka matahosy ereo, fa sy afaky minday rasy, na koa raha soa ireo.''6Sy misy olo manahaky Anao, ry Yaveh.Lelahy Ianao, dra lahibe amy hery gny agnaranao.7Iza gny sy matahosy Anao, ry Mpazakan'ereo firenena?Fa zay gny mendriky Anao, satria sy misy manahaky Anao eo amin'ereo lelahy hendry iaby reo firenena dre reo fazakany gny pazaka iaby.8Mitovy avo koa izy ireo, Ketrina vo mola izy ireo, pianasin'ereo sapy zay sinosino fa hazo.9Izy ireo dra minday tantanana volafosy laha tagny Tarsisy, vo volamena laha tagny Ofaza nataon'ereo panao asa-tagna, dra gny tananan'ereo pandrendriky. Gny akazon'ereo dra lamba manga vo voloparasy.Ireo lelahy mahain'ereo gny nanao ireo raha aby reo. 10Kanefa Yaveh gny Zagnahary mary. Zagnahary velo vo pazaka mandrakizay Izy. Mihorohoro amy fahahoriany gny tany, dra sy afaky miarisy gny fahohoriany ireo firenena.11Hiresaky amin'ereo manahakyanizao ianao:''Reo Zaganahary ze sy nanao gny lagnisy vo gny tany dra ho maty amy tany vo gny amban'io lagnisy io.''12Fa Izy gny nanao gny tany taminigny alalagny heriny, vo nametraky anizao totolo zao tamigny fahendreny, dra tamy alalagny fahazava-say gny namelarany gny lagnisy.13Gny feony gny mampikopakopaky gny rano egny amy lagnisy,dra Izy gny mampiakasy reo zavo laha tagny amy faragny tany. Manao gny helasy gny sioky laha tamy tragno fagnaza.14Lasa sy apy fahalala gny olo aby, sy misy fahalala. Nalan'ereo sapiny baraka ireo piasa vy aby. fa fitaky reo sarin-draha voasokiny;sy misy fiaigna ao amin'ereo. 15Sy misy ila anazy ireo, asan'ereo paneso;ho rava ireo amy fotoagny famaizany.16Nefa Zagnahary, gny apahan'i Jakoba, dra sy manahaky anio, fa Izy gny pamolavola gny raha iaby. Israely dra fokogny lovany;Yaveh Toponigny maro gny agnarany.17ahorogny gny fagnanandrareo dra miala amy tany, iandrareo olo mitoesy ambanigny fahirano.18Fa izao gny zakan'i Yaveh:''Indro, fa handroaky an'ereo mpogny tany zaho amin'izao fotoa zao. Hahavy fahoria amin'ereo zaho, dra ho itan'ereo vatany zay.''19Loza ho anahy! Noho ereo tolako tapaky, dra magnonisy gny feriko. Ka hoy zaho: ''Fahoria vatany zao, nefa sy maisy zakazakako.''20Rava gny laiko, dra ireo talinigny laiko aby dra nizara roa. Fa nagnala ireo zanako taminahy ereo, ka sy nisy sasy izy ireo. Sy misy olo hamelasy gny laiko na hananga gny lamban-daiko sasy.21Fa mola ireo piandry agn'ondry dra sy mitalia an'i Yaveh izy ireo;koa sy nambinina izy ireo, dra gny agn'ondrin'ereo iaby dra niparitaky.22Fa avy gny tatisy gny vaovao:''Indro, avy , avy laha tagny avarasy gny horohoro-tany lahibe. Ba hamotiky anereo tananan'i Joda, fivonia ho agny ambodia.''23Fatako, ry Yaveh, fa gny lalanigny olo raiky dra sy avy aminazy. Sy misy olo mandeha mahisy amy famindrany. 24Ampianaro, amy fahamarignanao zaho, ry Yaveh, fa sy amy fahorianao ka hanorotoro anahy Ianao.25Alasao eo amin'ireo firenena ze sy mahay Anao vo ireo fianakavia ze sy mitoka gny agnaranao gny fahorianao. Fa nandrapaky an'i Jakoba vo nitely anazy ba handrava anazy tateraky vo handrobaky gny fonenany izy ireo.
Chapter 11

1Zao gny zaka ze avy tamin'i Jeremia laha tamin'i Yaveh, manao ho:2''Tenoy ireo zakan'itio fifaneke itio, dra ambarao amy olo kirairaiky ao Joda vo ireo ponin'i Jerosalema zay.3Mizaka amin'ereo ho: 'Yaveh, Zagnaharin'Israely gny mizaka zao: Voaozo ze sy miteno ireo zakan'itio faneke itio.4Itio gny faneke ze nandidiako hotandreman'ereo razambendrareo tamy andro nandesako anazy ireo hiboaky gny tany Egypta, amy lafaro lahibe fandrendrehana vy. Dra nizaka zaho ho:''Tenoy gny feoko dra tateraho ireo raha iaby arak'izay nandidiako andrareo, fa ho oloko iandrareo dra Izaho ho Zagnaharindrareo.''5Makatoava anahy ba ahafahako magnamafy gny fianiana ze nianianako tamin'ireo razambendrareo, gny fianiana fa hagnome anazy ireo tagny tondra-dronono vo tately zaho, ze honenandrareo amizao.''Dra izaho, Jeremia, namaly ka nizaka ho:''Eny, ry Yaveh!''6Dra nizaka taminahy Yaveh ho:''ambarao agny amin'ireo tanin'i Joda vo egny amy lalan'i Jerosalema ireo raha aby reo. Lazao ho:'Tenoy ireo zakan'ereo faneke zao dra tateraho ireo.7Fa nagnome didy magnetriketriky ho an'ireo razambendrareo zaho nanomboky tamy andro nindesako anazy amy tany Egyta ka mandraky amizao, nampitandry anazy ireo amim-pikirizy ka nanao ho:''Tenoy gny feoko. '''8Fa sy niteno dra nihevisy anahy avo izy ireo. Samy nandeha araky gny hafatraragny fo rasiny gny olo kirairaiky. Ka ninday anireo voaozo tao amy faneke ze nandidiako zaho ba ho avy hanohizy anazy reo. Fa bo sy nitia avo gny vahoaky.''9Dra nizaka taminy Yaveh ho: ''nahita tetiin-drasy teo amin'ereo olon'joba vo ireo mponin'i jerosalema. 10Nihery taminereo helok'ereo razany teo aloha izy ereo, izay nanda hiteno gny zakako, fa nagnaras'izaho ereo kosa magnoriky ereo zagnaharin_kafa ba hanompo anazy ereo. nivadiky tamign'ny fifagneke izay nape-trako niaraky tamigny razan'izy gny taranak'i joba vo gny taranak'i jerosalema.11Noho izaho dra izao gny zakan'i Yavah: ''Indro, hinday loza ho amin'izay ereo zaho, loza izay sy ahafahan'ereo milomay anazy ireo zaho. Handeha vo hitoka ireo zagnahary ze notoloran'ereo fagnatisy gny tananan'i Joda vo gny ponin'i Jerosalema, nefa azo antoky fa sy hahavozy anazy ireo amy androgny loza izy ireo. 13Ho anao ry Joda, dra nitombo hanahaky gny isan'ereo tanananao gny isan'ereo Zagnaharinao. Ianao gny nanao gny isan'ereo alitara mahamegnasy tao Jerosalema, alitaragny litin-kazo magnisy ho an'i Bala, hitovy isaky amin'ereo lalany.14Ka ianao , ry Jeremia, ka mivavaky ho an'itio vahoaly itio. Ka midradradradra na mivavaky amy agnaran'ereo. Dra sy hiteno anazy ireo zaho fa gny mitoka anahy anatigny lozany izy reo. 15Nanao akory gny malalako, gny raiky ze nana fikasa rasy maro be , gny ao an-tragnoko? Sy afaky magnapy anao gny henan'ereo fagnatinao. Mifaly ianao noho ireo asa rasinao.16Hazo oliva miravina gny nitokavan'i Yaveh anao taloha, soa tarehy miaraky amy tegnany maha-te hagnety. Fa handrehisy afo eo amin'izay izy zay harava manahaky gny fiherogny kotriky; ho tapaky ireo rasany.17Fa Yaveh Topogny maro, ze namboly anao, nandidy loza taminao noho ireo asa rasy ze nataony taranak'Israely vo gny taranak'i Joda -Nahahory anahy izy ireo tamy nagnomeza ireo fagnatisy ho an'i Bala.'''18Nampahafatsrin'i Yaveh anahy zay raha zay, ka fatako ireo . Ianao, ry Yaveh, nampahits anahy ereo asan'ereo. Dra manahaky gny zanakagn'ondry malemy fagnahy 19zay nandesy egny amy mpivaro-kena zaho. Sy nahafatasy zaho fa namoro fikasa rasy hanohisy anahy izy reo ho:''Andeha haringasika gny hazo vo gny tegnany! Andeha ho tapahisika hiala amy tany amy fipetrarany izy 20Fa Yaveh Topogny maro gny pisara mary ze mandiniky gny fo vo say. Ho vavolombelogny famalianao hanohisy anazy ireo zaho, fa nampiseho gny momba anahy taminao zaho.21Noho zay Yaveh dra nizaka anizao mahakasiky gny vahoakin'i Anatota zay mifofo gny ainao:''Hoy izy ireo:'Ka maminany amy agnaran'i Yaveh ianao, fandrao ho maty amy alalany tananay.22'Dra hoy Yaveh topogny maro:'Indro, fa hagnafay anazy ireo zaho. Ireo tovolahy maherin'ereo dra ho matinigny sabasy. Ireo zanadahiny vo zanakapelan'ereo dra ho matigny mosary.23sy hisy dra raiky ka ho tavela amin'ereo , satria hinday loza hanohisy gny vahoakan'i Anatota zaho, tao raiky ho agny famezigna anazy reo.
Chapter 12

1Mary ianao, ry Yaveh, isaky gny mifagnakany Aminao zaho. Tokony hizaka Aminao vatany gny atony hitaraignako:Nanao akory gny lalagny rasy fagnahy no mahomby? Gny olo sy manam-pinoa aby dra mahomby . 2Nambolenao izy ireo dra nisiry vahany. Sy mizanozano mamoa izy ireo. Marigny vavan'ereo Ianao , nefa lavisy gny fon'ereo.3Fa Ianao, ry Yaveh, Mahay anahy. Mahita anahy ianao dra magnety toesy gny foko aminao.Andeso manahaky gny agn'ondry ho vono izy ireo, dra hatokany ho amy andro famonoa! 4Mandraky ombia gny tany no hihamaiky avo, dra gny raha-misiry noho gny amy faharasian'ereo pony ao aminazy?Ireo biby vo voro dra fa nala.Fa hoy gny vahoaky ho:''Sy fatasin'Agnahary ze hazo asika.''5Hoy Yvaveh:''Egny vatany, raha ianao, ry Jeremia, fa niara-nilomalomay tamin'ereo miaramila pandeha tomboky dra nirerahin'ereo ianao, nanao akory gny hifaninananao amy sovala?Raha lavo amy tana azo atoky ianao , manao akory gny ataonao agny amy kirihitr'ala egny amoron'i Jordana? 6Da dra ireo rahalahinao vo ireo fianakaviagny ranao ka dra fa namaliky anao dra fa niampanga fatrasy anao.Ka matoky anazy ireo , na dra mizaka raha mahafinarisy aminao aza izy reo.7Fa niriosy gny tragnoko zaho; fa nahafo gny lovako.Nagnome ireo vahoaky malalako teo an-tagnan'ereo fahavalony zaho. 8Fa lasa manahaky gny liona agny agnaty kirihitr'ala ho anahy gny lovako; mametraky gny vatany hanohisy anahy tamy feony izy, ka halako izy.9Sy manahaky gny voro mpagnety se gny loka fanagnako, no hanohisy magnodidy? Mandehana dra avorio gny biby iaby dra andeso handrapaky anazy izy ireo.10Piamby agn'ondry maro gny fa nanola gny tanim-boloboky. Fa nihisakisahiny gny azara taniko iaby; nataony tany efisy vo lao gny azara taniko mahafinarisy.11Nataon'ereo lao izy. Malahelo anazy zaho; lao izy. Gny tany iaby dra lasa lao avo koa, satria sy nisy na raiky ka nadray anizay am-po.12Reo mpandrava dra avy hanohisy anireo toera ho rava iaby tagny agn'efisy, fa gny sabasin'i Yaveh dra mandevo laha tagny amy faragny tany avo amy raiky hafa. Sy misy fiadana ao amy taniny raha-managn'ay iaby.13Namafy vary izy ireo nefa silo gny vokasy. Rokaky amy asa izy ireo nefa sy nahazo na ino na ino. Koa metia ho megnasy amy vokasindrareo noho gny fahorian'i Yaveh.''14Zao gny zakan'i Yaveh tamy mpiara-belo aminahy aby, gny rasy fagnahy ze nandrobaky gny fanagna zay nataoko ho lovainigny Israely vahoakiko,''Indro, Zaho gny toka ze hagnombosy anazy ireo eo amy taniny, dra hombotako sy ho eo amin'ereo gny tragnon'i JOda. 15Tafaran'izay dra ho fognoriko ireo firenena ireo, dra ho hamindra fo amin'ereo zaho dra hinday anazy ireo hihery; hagnery anazy ireo zaho-gny olo kirairaiky samy amy lovany amy taniny.16Raha mianasy soa gny fombagny oloko ireo firenena ireo, ka mianiana amy agnarako'Raha velo koa Yaveh'manahaky gny fa nampianaran'ereo gny oloko ba hiania amin'i Bala , dra haory eo agnevonigny oloko izy ireo. 17Fa raha misy sy miteno dra ho fongoriko zay firenena zay. Zay dra ho fongoriko vatany dra horava- zay gny fagnambaran'i Yaveh.''
Chapter 13

1Nizaka anizao taminahy Yaveh ho: ''Mandehana dra miviliana atin'akazo rongony fosy ka afaheo eo amy andilanao zay, saiky ka atao agnatiny rano avo zay.''2Koa dra nivily atin'akazo araky ze nitarihan'i Yaveh anahy zaho, dra nafehiko teo amy andilako zay. 3Dra avy taminahy fagnindro gny zakan'i Yaveh, nanao ho:4''Takaro gny atin'akazo ze avy nivilinao zay eo amy andilanao, misangana ka mandehana agny amin'ireo Eofrata. Afeno ao agnatiny haram-bato zay.''5Koa nandeha zaho dra nagnavony anizay tagny amin'ireo Eofrata araky ze nandidian'i Yaveh anahy. 6Afaky andro maromaro, dra nizaka taminahy i Yaveh ho: ''Misangana ka mandehana mihery agny amin'ireo Eofrata. Alao agny gny atin'akazo zay nizakako havoninao.''7Koa nihery tagny amin'ireo Eofrata zaho nialy tao gny nagnavoniako atin'akazo; sy ba soa sasy izy.8Laha teo dra avy taminahy gny zakan'i Yaveh, nanao ho:9''Hoy Yaveh ho:Mitovy amin'izay gny fomba hamotehako gny fiavognavogna lahibegny Joda vo Jerosalema.10Io vahoaky rasy manda gny hiteno gny zakako io, zay mandeha amy fahamafisagny fon'ereo, ze magnaraky zagnarin-kafa ba hanompo anio vo hiankohoky amin'io-hanahaky anizay atin'akazo zay izy ireo ze soa fa sy misydikany.11Fa manahaky gny atin'akazo raiky mipitiky amy tolan-tahezan'olo, dra manahaky anizay koa gny fa nanovako gny taranak'Israely vo gny taranak'i Joda hipitiky aminahy-zay fagnambaran'i Yaveh -ba ho vahoakiko,ba hinday laza, dera, dra voninahisy ho anahy. Saiky sy niteno anahy izy ireo.12Tokony hizaka anizao zaka zao ho anazy ireo ianao ho:'Yaveh, gny Zagnaharin'Israely dra mizaka anizao:Gny tavoara aby dra ho feno divay.'Hizaka aminao izy ireo ho:'Moa sy fatanay vatany se fa ho feno divay gny tavoara iaby?' 13Ka dra zakao izy ireo ho:'HOy Yaveh ho:Indro, ho denoko fahamamoa gny ony aby an'itio tany itio, ireo pazaka ze mipetraky eo amy seza fiandrianan'i Davida, ireo pisoro, paminany, dra ireo ponin'i Jerosalema iaby.14Dra ho ampifamotehiko izy ireo , ireo raiky vo rany vo ireo zanaky miaraky -zay gny fagnamabaran'i Yaveh-Sy hamindra fo amin'ereo zaho na hana fangoraham-po, dra sy hagnavosy anazy ireo amy fahapotehy zaho.15Mitenoa ka mandrenesa. Ka miavognavo, fa Yaveh gny fa nizaka. 16Magnomez voninahisy ho an'i Yaveh Zagnaharindreo mialohagny hindesany hezy, dra mialohagny hanafitohigna gny tombondrareo ao an-tendrombohisy amy mezimezy. Fa manatena hazava ianao, saiky hamaliky gny toera ho mezy laliky Izy, ho raho meti-be.17Noho zay raha sy hiteno ianao, dra hitomagny anio zaho noho gny fiavognavognnanao. Hanganohano vo hiraraky ranomaso vatany gny masoko, satria nibabiy ireo agn'ondrin'i Yaveh.18Zakao gny pazaka vo gny pazakavavy reniny ho:'Manolora vata iandrareo ka mipetraha , fa ireo satro-boninahisy eo amy lohandrareo, gny firehareha vo voninahindrareo, dra fa nilavo.' 19Hirindry avo koa ireo tananan'i Negeva, sy misy raiky hamoha ireo. Ho babo i Joda, ho atao sesitany gny aminazy iaby.20Asondroto gny masonao ka hatio ireo laha tagny avarasy. Eza gny andianagn'ondry ze nomeny anao, gny andianagn'ondry ze tena soa tarehy taminao? 21Ino gny ho zakanao fa gny apetrak'Agnahary eo aminao ireo ze fa nampianarinao ba ho sakazanao? Sy ireo se gny fiatombohan'ereo fatahora zay hahazo anao manahaky gny ampela miteraky?22Dra mety hizaka anakapo ianao ho: ''Manao akory gny miseho aminahy ireo raha ireo? 'Dra ho amy fahamaroan'ereo fahotanao gny nampiala ireo ziponao dra nanolagna anao.23Moa afaky gny hagnova gny volon-kolony se gny kosy, na gny leoparda hagnova gny petiny? Raha zay, dra ianao vatanao, na dra zasy gny faharasia avo, dra afaky manao gny soa . 24Noho zay da hapiely anazy io manahaky gny lila levogny sioky gny efisy zaho.25Zay gny nomeko anao, gny azara nao zay fa nididiko ho anao-zay gny fagnambaran'i Yaveh-satria fa nagnalino anahy ianao dra nitoky tamim-pitaky. 26 Noho zay avo koa dra Zaho mihisy gny hagnalaky gny ziponao aminao, dra hiseho ireo farisy saro-palinao. 27Fa nahita gny fagnisakisaham-baly vo gny fihikanao zaho, gny faharasianigny fivarota-tegnanao tegny amin'ireo havoa vo tegny amin'ireo saha, dra fa nahita anio raha mampagnelakelaky io zaho! Loza ho anao, ry Jerosalema! Hafiria anizay vao ho malio draiky ianao?''
Chapter 14

1Zao gny zakan'i Yaveh zay avy tamin'i Jeremia momba gny hai-tany, 2''Ao handala i Joda, ao hihondriky gny fefiny. Midradradradra gny amy tany izy ireo; miakasy gny fitaraignan'ereo ho an'i Jerosalema. 3Reo lelahibeny magniraky ireo panopony hitalia rano. Fa gny mandeha agny amy famorian-drano izy ireo, dra sy mahita rano. Miheri-maiky avo koa izy reo; Maha feno gny lohan'ereo gny hegnasy vo fahafaham-baraka.4Noho zay dra nitresaka gny tany, satria sy misy ora teo amigny tany. Reo piasa tany dra megnasy dra maha feno gny lohan'ereo.5Fa na dra gny diera ampela avo mamela gny zanany agny an-tanimboly dra miriosy anazy ireo, satria sy misy vilona. 6Gny boriky dra mizano agny amy tanihay dra misefosefo amy sioky manahaky gny amboadia. Tapena gny mason'ereo, satria sy misy raha-misiry.''7Ry Yaveh, na dra niampanga anay avo gny helokay, dra miasa noho gny amy agnaranao. Fa gny asanay sy am-pinoa dra mitombo; fa nanota taminao zahay. 8Ry fanatena gny Israely, gny tokana zay namozy anazy tamy fotoam-pahoria, nanao akory Ianao gny ho manahaky gny vahiny amy tany, manahaky gny vahiny mpirerirery zay misotra ka mandry hariva raiky avo ? 9Nanao akory gny manahaky gny olo levo hevisy Ianao, hanahaky gny pialy ze sy afaky mamozy na iza na iza? Fa Ianao dra eo agnevonay, ry Yaveh! Fa nambara teo aminay gny agnaranao. Ka miriosy anay.10Zao gny nambaran'i Yaveh amin'itio vahoaky itio:''Satria tia mirerirery izy ireo, dra sy nita gny tombony tamy gny fanova anizay izy ireo.'' Sy faly amin'ereo Yaveh. Amizao lahasiaro gny helok'ereo Izy, dra nagnafay gny fahotany. 11Hoy Yaveh taminahy:''Ka mangataky anizay ahasoa itio vahoaky itio.12Fa raha mifaly hany izy ireo , dra sy hiteno gny fitaragnany zaho, dra raha manao fagnatisy oroa vo fagnatisy ho hany izy ireo, dra sy hakasitaky anireo zaho. Fa handringa anazy ireo amy sabasy, mosary, dra areti-mamono zaho.''13Dra hoy zaho ho: ''Ry Yaveh Tompo! Indro! Reo paminany manao amy olo ho:'Sy hahita sabasy iandrareo; sy hisy mosary ho andrareo, satria hagnome fandriam-pahalema mary ho andrareo amin'itio toera itio zaho.'''14Dra hoy Yaveh taminahy: ''Reo mpaminany dra maminany amim-pitaky amy agnarako. Sy nagniraky anazy ireo, na nagnome beko anazy ireo na niresaky tamin'ireo zaho. Fa fahita vandy vo raha-fahatany, faminania sy mary laha tamy saim-patasin'ereo gny haminaniany amindrareo.''15Noho zay dra izao gny zakan'i Yaveh:''Mahakasiky gny mpaminany maminany amy agnarako nefa sy nirahiko-ireo zay mizaka fa sy hisy sabasy na mosary amin'itio tany itio: Reo mpaminany ireo dra hamono amy sabasy vo mosary. 16Dra ireo olo zay naminaniany dra hatoraky egny amin'ireo lalan'i Jerosalema noho gny mosary vo sabasy,fa sy hisy na raiky avo handevy anazy ireo-izy ireo, ireo valiny, ireo zanadahiny, na ireo zanakapela-fa handraraky gny faharasian'ereo eo amin'ireo zaho.17Zakao amin'ereo zao gny zaka zao:'Ao gny ranomasoko hanako gny masoandroko. Ka anga hizano izy reo, fa hisy faharingana lahibe ho agny zanakapela mbo tsy mahavany lahy gny oloko-rasy lahibe dra sy azo sitrany. 18Raha miboaky ho agny an-tanimboly zaho, dra indreo ireo ze matigny sabasy! Raha laha tao aminahy tana zaho, dra indreo gny arety zay vokasy gny mosary. Na gny mpaminany na gny mpisoro dra hirerirery eo amy tany avo koa , dra sy hahala izy ireo.'''19Fa nanda tateraky an'i Joda se Ianao? Halanao se i Ziona? Nanao akory ianao gny hampahory anay fagny sy misy fagnasitragna ho anay, nagnategna fiadana zahay. fa sy nisy raha-bagno-dra ho agny fotoa fagnasitragna, nefa indro, horohoro avo gny misy.20Magneky zahay, ry Yavaeh, ireo fandikanay lalana, gny helok'ereo razambenay, satria fa nanota taminao zahay.21Ka lagny zahay! Fa noho gny amy agnaranao, dra ka mangalaky baraka gny seza fiandriananao be voninahisy. Sarovy dra ka mandrava gny fanekenao taminay. 22Moa se misy amin'ireo sapigny firenena gny mahavy mapandasaky ranon'ora gny lagnisy? Ry Yaveh Zagnaharinay, moa se sy Ianao gny toka, gny manao anizao? Manatena anao zahay, satria Ianao gny fa nanao anizao aby zao.
Chapter 15

1Dra hoy Yaveh taminahy ho: ''Na dra Mosesy na Samoela aza gny nijoro teo anoloako, dra sy bo hakasitraky anitio vahoaky itio zaho. Roaho hiala eo anoloako izy ireo, ba handehan'ereo.2Dra hizaka aminao izy ireo ho:'Eza gny tokony ho andehanay? 'Dra sy maisy hizaka amin'ereo ianao ho:'Zao gny zakan'i Yaveh:Reo voalahasy ho maty dra ho maty; ireo voalahasy ho agny sabasy dra ho maty ami-sabasy.Reo voalahasy ho agny mosary dra ho mafigny mosary;dra ireo voalahasy ho amy fahababoa dra ho babo.'3Fa ho tendreko ho atoko efasy izy ireo-zay gny fagnambaran'i Yaveh-gny sabasy dra hamono gnilany, ireo amboa hitaritariky gny gn'ilany,ireo vorogny lagnisy vo ireo bibidia gny tany handevo dra hamotiky gn'ilany.4Ho ataoko raha mampivarahontsana an'ereo fazakany gny tany iaby izy ireo, noho ze raha nataon'i Manase zanak'i Hezekia, pazakagny Joda, tany Jerosalema.5Fa iza gny hiferegnay anao, ry Jerosalema? Iza gny alahelo anao? Iza gny hihery hagnontany momba gny toe-tegna anao? 6Nahafo anahy ianao-zay gny fagnambaran'i Yaveh-fa niala taminahy ianao.Koa hagnenga anao amy tagnako zaho dra hanorotoro anao.Rokaky gny mamindra fo aminao zaho.7Ka dra ho kororohiko amy fikororoha eo amin'ereo fefiny tany izy ireo. Hapahory anazy ireo zaho. Hanorotoro gny vahoakiko zaho satria sy hiala amy lalany izy ireo.8Ho ataoko maro noho gny fasy egny amoron-dranomasy gny pitondratenan'ereo. Handefa gny pandrava amy atondro amin'ireo reni-zatovolahy zaho. Handasaky horohoro vo tahosy tapoky amin'ereo zaho. 9Gny reny zay niteraky zaza fito dra hihaosy. Hiala ay izy. Gny masoandrony dra hiletiky raha bo andro igny. Ho afa-baraka vo megnasy izy, fa homeko eo anatrehan'ereo fahavalony ireo ze sisa velo tamigny sabasy- zay gny fagnambaran'i Yaveh.''10Loza ho anahy, ry Reniko! Fa niteraky anahy ianao, zaho zay lelahy gny aly hevisy vo fandrese-dahasy manera gny tany iaby. Sy mana ho ampindramy zaho, dra sy nisy olo nampindra anahy, nefa magnozo anahy izy iaby. 11Hoy Yaveh:''Sy hamozy anao amy soa se Zaho? Ho ataoko mitalaho vozy amy fotoagny loza vo fahoria vatany ireo fahavalonao.12Mahatorotoro vy se gny olo? Indrandra fa gny vy laha tagny avarasy ze miharo varahina?13Homeko ireo fahavalonao ho babo maimaim-pona gny hanagna vo raha-sarobilinao. Ho ataoko anizay noho gny fahota iaby nataonao tao agnatiny faritaninao iaby.14Dra ho ataoko manompo ireo fahavalonao agny amy tany ze st fatanao, fa hirehisy gny afo, handrehisy gny fahoriako aminao.''15Ry Yaveh, Ianao mahay! Sarovy zaho ka vozeo. Manova valifaty ho anahy amin'ireo magneziky anahy. Mahari-pery Ianao, nefa ka anga hangalaky anahy izy ireo; fatako fa mijaly amy fagnalam-baraka noho Ianao zaho.16Fa hita ireo zakanao, dra nihotahotako ireo. Reo zakanao dra avy hafalia ho anahy dra fahafinaretany gny foko, fa minday gny agnaranao zaho, ry Yaveh, Zagnahary Tompogny maro.17Sy nipetraky teo amy faribolan'ireo zay nakalaza na nifaly zaho. Nipetraky raiky zaho noho gny tagnanao mahery, satria nifenoko fahoria zaho. 18Manao akory gny mitohy gny faharariako da sy misy fanafany gny feriko, manda gny ho sitrany? Hanahaky gny rano mamitaky aminahy se Ianao, rano zay risy?19Koa izao gny zakan'i Yaveh:''Raha mibebaky ianao, ry Jeremia, dra ho aheriko draiky, dra hijoro eo anoloako ianao ka hanopo anahy. Fa raha magnasaraky gny raha molamola amin'ireo raha sarobily ianao, dra ho manahaky gny vavako ianao. Hihery aminao gny vahoaky nefa ianaodra sy hihery amin'ereo. 20Ho ataoko manahaky gny fefy varahina sy azo idira ho an'itio vahoaky itio ianao, dra hananga aly aminao izy ireo. Nefa sy handresy anao izy ireo, satria momba anao zaho ba hamozy vo hagnavosy anao-zay gny fagnambaran'i Yaveh- 21fa hamozy anao amy tagnany rasy fagnahy zaho dra hagnavosy anao amy tagnany panao jadona.''
Chapter 16

1Dra avy taminahy gny zakan'i Yaveh, nanao ho:2''Ka mangalaky valy ho agny vatanao, dra ka miteraky lahy na ampela amy vatanao amin'itio toera itio. 3Fa i Yaveh nizaka anizay tamin'ireo zanadahiny vo zanakapela zay teraky teto amin'itio toera itio, tamin'ireo reny zay ninday anazy ireo, vo tamin'ireo raiky ze nahavy anazy ireo ho teraky eto agnabon'itio tany itio, 4'Ho maty amy aretim-pahafatesa izy ireo. Sy hitomagny izy ireo na ho alevy. Ho lasa manahaky gny zeziky amy tany izy ireo. Fa amy alalany sabasy vo gny mosary gny hiafaran'ereo,dra gny matin'ireo dra ho lasa sakafo ho agn'ereo voro gny lagnisy vo ireo bibigny tany.'5Fa avy taminahy gny zakan'i Yaveh, nanao ho:''Ka milisy amy tragno ze misy fitomagnia. Ka mandeha ba hitomagny na ampiseho fangoraha ho anazy ireo, fa nalako teo amin'izay vahoaky zay gny fiadanako,gny fitiavako sy miova vo gny famindram-poko-zay gny fagnambaran'i Yaveh. 6Gny lahibe vo gny masaiky dra samy ho maty eto amin'itio tany itio. Sy ho alevy izy ireo, dra sy hisy na raiky aza hitomagny anazy ireo na hanapaky gny vatan'ereo na hagnarasy gny lohany ho anazy ireo.7Ao sy hisy na iza na iza hizara sakafo amy fandala ba hampionogna anazy ireo noho ireo fahafatesa, dra ao sy hisy hagnome kapoaky fampionona ho agny rany na ho agny reniny ba hampiono anazy ireo.8ao ianao sy ho agny amy tragno fanasa ba hipetraky hiaraky amin'ireo ba hihina na hino.'9Fa Yaveh topogny maro, Zagnaharin'Israely, nanao ho:'Indro. eto anatrehagny masondrareo , androndrareo dra amin'itio toera itio, hampizano gny feogny fifalia vo gny feogny firavoravoa zaho, gny feogny pampiakasy vo gny feogny ampiakary.'10Dra ianao nitatisy anereo zaka iaby reo anizahoky vahoaky tahoky amin'izay andro zay , dra hizaka aminao izy ireo hô:'Nanao akory Yaveh gny nandidy itio loza lahibe hanohera asika itio? Ino gny hahoriany vo fahotanay ze nagnotany tamin'i Yaveh Zagnaharisika? 11Koa zakao andreo hô: 'Satria nagnenga anahy reo razambendrareo _ zay gny fagnambaran'i Yaveh dra nagnagny amy zagnahari_ Kafa ereo dra nanopo vo nandohaliky tamin'enereo . Dra nagnenga anahy ereo dra sy nita gny didiko.12Saiky gny vatandrareo dra fa ninday faharasia maro noho ireo razambendrareo, ka indro, samy nandeha tamy herilolohany gny olo kirairaiky araky gny fo rasiny; sy misy na raiky avo miteno anahy.13Ka dra ho alako eto amin'itio tany itio ho agny aminigny tany ze sy bo fatandrareo na reo razambendrareo, dra hanompo ireo zagnahari-kafa aminigny loa-kandronagny iandrareo, fa sy hagnome fakasitraha ho andrareo zaho.'14Noho zay, indro, avy dra gny andro-zao gny fagnambaran'i Yaveh-fa gny sy ho zaka sasy ho:15'' Raha bo velo koa i Yaveh, gny ninday gny vahoakin'Israely laha tagny amy tanin'i Egypta.'Fa ho:''Raha bo velo koa i Yaveh, gny ninday anireo vahoakin'Israely laha tagny amy tany avarasy vo laha tagny amin'ireo tany ze fa nampieleza anazy ireo.' Fa ho aheriko agny amy tany ze nomeko gny razambeny izy ireo.16Indro! Handefa pagnarato maro zaho- izao gny fagnambaran'i Yaveh-ka hagnarato gnby olo nereo. Tafaran'izay dra handefa mpamita maro zaho ba hamita ho anazy nereo egny amy tendrombohisy vo havoa aby, dra egny asefasefafaky gny haram-bato izy reo.17Fa gny masoko dra ho egny amy lalan'ereo iaby; sy afaky gny hivony eo anoloagny masoko gny helok'ereo. 18Hagnavaky avo ro heny gny heloky vo gny otan'ereo ho agny fandotoan'ereo gny taniko tamy sapy vetavetan'ereo aloha zaho, vo gny famenoan'ereo sapy mapagnelakelaky gny lovako.''19Yaveh o , Inao gny fiarovako fatrasy vo fialofako, toera azoko atoky amy androm-pahoria. Ho agny Aminao ireo firenena laha tagny amy faragny tany dra hizaka ho: 'nandova fitaky vatany gny razambenay. Rava izy ireo; dra sy ahita tombosoa ao amin'ereo.20Manao zagnahary ho agny vatan'ereo se gny olo? Kanefa sy zagnahary izy ireo.'21Noho zay indro! Ho ampahafatariko anazy ireo amin'izay fotoa zay, ho ataoko fatasin'ereo gny tagnako vo gny heriko, ka ho fatasin'ereo fa Yaveh gny agnarako.
Chapter 17

1'' Voasorasy tamy peniny vy mana lohany diamondra gny fahotan'i Joda. Voasokisy eo amy takelaky gny fon'ireo vo eo amy tandrok'ireo alitaranao zay.2Na dra gny zanak'ereo aza dra mahasiaro ireo alitarany vo ireo baon'Aserahany ze mariny gny hazo misandrahaky teo vo tagnabony havoa agnabo.3Teo an-tendrombohisiko tao amy tana malalaky gny baon'Aseraha. Gny hanagnandrareo vo reo raha-sarobilindrareo aby dra homeko manahaky gny babo, miaraky amy fitoera abondrareo, noho reo fahota nataondrareo teo amy faritanindrareo aby.4Ho levo gny lova ze nomeko andrareo. Ho ataoko andevon'ireo fahavalondreo iandrareo, fa iandrareo dra fa nandrehisy afo amy fahoriako, ze hirehisy mandrakizay.''5Hoy i Yaveh:'' Voaozo gny olo zay mahatoky olombelo; manao gny nofony ho heriny izy nefa mampivily gny fony amin'i Yaveh.6Fa hanahaky gny kirihisy masaiky ao Araba izy dra sy hahita raha-soa ho avy. Hizano agny amy toeram-batolapy agny agn'efisy izy, tany maiky sy misy pony.7Nefa voatahy gny olo ze mahatoky an'i Yaveh, fa Yaveh atogny fahatokiany.8Fa hanahaky gny hazo nambole tegny amoron-drarno izy, hisandrahaka magnamoro gny riaky ireo fakany. Sy hatahosy gny hafana izy raha avy zay, fa ireo raviny dra meso mandrakariva. Sy magnahy amy taogny hai-tany izy , dra sy hizano hamoa izy.9Mamitaky mihoasy gny raha aby gny fo . Marary zay; izao gny afaky ahatakasy anizay/ 10Zaho gny Yaveh, gny magnety gny ao asay, gny misapa ireo fo. Magnome araky gny fombagny olo kirairaiky zaho, araky gny vokasin'ereo asany. 11Mikotriky gny atoly ze sy nalasany gny sipohy. Mety ho avy pagnarivo sy ara-drariny gny olo, nefa fa gny misasaky gny andro iaignany, dra hagnenga anazy ireo pagnarivo ireo, dra agny am-parany dra ho lasa mola izy.''12''Gny sezagny tempolinay dra seza fiandrianana be voninahisy, nakary hatra am-piandoha . 13Yaveh gny fanatenan'Israely. Ho megnasy ireo ze magnenga anao iaby. Ireo ao amy tany ze niala taminao dra ho sorota amy botany. Satria miriosy an'i Yaveh Izy ireo, gny loharano gny rano velo. 14Sitrano zaho, ry Yaveh, dra ho sitra zaho! Vozeo zaho, dra ho voavozy zaho.Fa Ianao gny hira fiderako.15Indro, hoy ereo taminahy:''Eza gny zakan'i Yaveh? Angao ze ho avy! '16Raha gny aminahy, sy niala tamy maha mpiaraky agn'ondry magnaraky Anao zaho, sy nagniry gny andro gny loza zaho. Fatako ireo fagnamabara laha tamigny sogniko. Natao teo amy fanatrehanao raiky.17Ka mapatahosy anahy .Ianao gny fialofako amy andro gny loza. Ao ho megnasy seky ireo pagnendriky anahy, nefa ka anga ho megnasy zaho. 18Ao izy ireo hatahosy amin'ireo andro loza dra torotoroy amy azara loza agn'abo ro heny izy ireo.''19Izao gny zakan'i Yaveh taminahy:''Mandehana dra mijoroa eo amy fefinigny vahoaky ze hiliran'ireo pazakan'i Joda vo iboahan'ereo, dra laha teo amy fefy hafa an'i Jerosalema aby.20Zakao ereo ho:'Tenoy gny zakan'i Yaveh, ry pazakan'i Joda vo iandrareo vahoakin'i Joda iaby, dra gny ponin'i Jerosalema zay mandalo amin'ereo fefy ireo.21Izao gny zakan'i Yaveh:''Tandremo gny aindrareo ka mitarazo eta-mavesasy amy Andro Sabata ka hinday anizay magneo amin'ireo fefin'i Jerosalema. Ka minday eta miboaky gny tragnondrareo amy Andro Sabata.22Ka manao asa na ino na ino , fa atokano gny Andro Sabata, ze manahaky gny nandidiako ireo razanao hatao.'''23Sy niteno na nitandry ereo, fa nagnamafy gny hatony ba sy haharezany anahy na haneky famezigna.24Hiseho zao raha miteno anahy vatany iandrareo-zao gny fagnambaran'i Yaveh-dra ka manday eta magneo amin'ireo fefiny tana amy Andro Sabata fa atokano ho an'i Yaveh gny Andro Sabata dra ka manao asan ino na ino amin'izay, 25dra ireo pazaka, andriana, vo ireo ze mipetraky eo amy seza fiandrianan'i Davida dra hagneo amin'ireo fefin'itio tana itioky amy kalesy miaraky amy sovala, izy reo vo reo pitariky anazy reo, gny lelahin'i Joda vo gny mponin'i Jerosalema, dra itio tana itio dra hipetrara mandrakizay.26Izy reo dra ho avy agny amy tananan'i Joda vo vay amy magnodidy an'i Jerosalema, laha tamy tanin'i Benjamina vo reo farisy iva, laha tagny amin'ireo tendrombohisy, dra laha tagny Negeva, hinday ireo fagnatisy oroa vo ireo soro, fagnatisy tegnany vo litin-kazo magnisy, fagnati-pisaora ao an-tragnon'i Yaveh.27Nefa raha sy miteno anahy iandrareo-gny amy fanokana gny Andro Sabata vo gny sy findesa eta-mavesasy dra gny sy filira amin'ireo fefin'i Jerosalema amy Andro Sabata-dra handrhetako afo eo amin'ireo vavahadiny, ka handevo gny mandan'i Jerosalema zay, dra sy ho vono zay.''
Chapter 18

1Gny zaka ze avy tamin'i Jeremia laha tamin'i Yaveh, manao ho:2'' Misangana dra miboaha tao an-tragnonigny mpanefy tanimanga, fa agny gny hampaharezako anao gny Zakako.''3Ka nagnagny an-tragnogny panefy tanimanga zaho, dra indro! Gny panefy tanimanga dra niasa teo amy kodiarany. 4Fa sola tegny an-tagnany gny vilany tanimanga ze nizakany. ka niova hevisy izy dra nanao raha hafa ze farany soas teo amasony.5Dra avy taminahy gny zakan'i Yaveh, nanao ho:6''Sy afaky manao manahaky gny ataon'io panefy io amindrareo se zaho, ry akohonan'Israely?- izao gny fagnambaran'i Yaveh. Indro! Manahaky gny tanimanga eo an-tagnany gny panefy -dra manahaky anizay iandrareo eo an-tagnako, ry fianakavian'Isrealy. 7Amy fotoa raiky, dra mety hanogno raha ho agny firenena na fazaka raiky zaho, ba hanokafako, handrobahako, na hanorotoroako anizay. 8Fa raha miala amy harasiany gny firenena zay nanovako anizay fagnambra zay, dra hihazo gny loza zay nomaniko handesiko eo amin'izay zaho.9Amy fotoa hafa, dra mety hagnambra raha momba gny firenena na fanjaka raiky zaho, fa hananga na hamboly anizay zaho.10Fa raha manao rasy eo amasoko izy amy sy fitenoa gny feoko, dra hazanoko amin'ereo.11Dra amizao. mizaka amy olon'i Joda vo amy ponin'i Jerosalema ka zakao ho:''Izao gny zakan'i Yaveh :Indro, hamolavola loza ho andrareo zaho. Fa mamoro tetiky hanohera andrareo zaho. Mibebaha, amy fomba rasiny gny olo kirairaiky aby, dra hinday soa ho andrareo ireo fambondrareo vo ireo fanovandrareo.'12Fa hizaka ereo ho:'Sy misy iatalia anazy zay. hanao araky ze fikasanay manoka zahay. Gny kirairaiky avy aminay dra hanao ze fagnirian-drasinigny fony.'13Noho zay dra izao gny zakan'i yaveh:'agnontanio ireo firenena , iza gny fa nahare karazan-draha manahaky anizao?Fa nanao asa mandanginy Israely viriziny. 14Moa se gny oram-panala agny Libaonona fa niriosy gny havoanam-Bato ei agnilany? Moa se gny rian-tendrombohisy avy lavisy fa rava, ireo riana mamanala?15Fa nagnaligno anahy vahoakiko. Nanao fagnatisy ho agny sapy sy misy dikany izy ireo dra natao ho tafitohy tegny amin'ereo lalany izy ireo; niriosy reo lalany fahiny izy ireo ho amin'ireo lala kelikeliky avo. 16Ho avy horohoro gny tanin'ereo, ho atogny siosioky mandrakizay. Izay mandalo eo aminazy iaby dra hangitikitiky vo hagnifikifi-doha. Hagnaparitaky anazy ireo eo alohany gny fahavalony manahaky gny sioky asignana zaho. 17Hapiseho gny lamosiko anazy ireo zaho, fa sy gny tarehiko, amy andro gny lozan'ireo.'''18Ka hoy gny vahoaky tamin'i Jeremia: ''Magnatogna, ao isika hanao tetiky hanohera an'i Jeremia, fa sy ho levo gny lalana avy amin'ereo pisoro, vo gny toro-hevisy laha tamin'ereo olon-kendry, na ireo tegny aby amin'ireo paminany. Magnatogna, ao isika hanafiky anazy amin'ireo zakasika dra sy hitandry ze zakany sasy.''19Mitenoa anahy, ry Yaveh, dra tenoy gny feon'ireo fahavaloko.20Moa se gny loza avy amin'ereo vatany gny valosoako tamy hasaram-pagnahiko tamin'ereo? Fa nihaly lavaky ho anahy izy ireo. Sarovy gny nisanganako teo agnoloanao ba hiresaky gny fifagnapian'ereo, ba hampiala gny fahorianao amin'ereo.21Noho za dra atovy avy amin'ireo zanany gny mosary, dra atolory eo an-tagnan'ereo ze mampiasa sabasy izy ireo. Koa angao gny ampelan'ereo hidonam-pahoria vo ho pinday vata, dra gny lelahy ho voavono, dra ireo tovolahiny ho matigny lefo agny agn'aly.22Ao aza ra ho re aby ao amy targnon'ereo gny hiakiam-pahoria , amanahaky gny hindesanao panafiky hanohisy anazy ireo tapoky. Fa nihaly lavaky hanambora anahy izy ireo dra nagnavony fandriky ho agny tomboko. 23Fa ianao, ry Yaveh, Ianao mahay gny drafisy aby aminahy ba hamoniany anahy. Ka magnenga ireo heloky vo fahotan'ereo. Ka mamafa gny fahotan'ereo hiala aminao. Fa ao ereo ho rava eo anatrehanao. Miheseha hanohisy anazy ireo amy fotoa gny fahorianao.
Chapter 19

1Izao gny nizakan'i Yaveh:''Mandehana dra miviliana taboara tanimanga gny panefy tanimanga raha miaraky amy ireo loholon'ireo vahoaky vo ireo pisoro ianao. 2Dra miboaha agny amy lohasahan'i Ben-Hinoma agny amy filiragny vavagny vilagny vaky, dra ambarao ao gny zaka ze ho zakao aminao.3Zako ho: 'Tenoy gny zakan'i Yaveh, ry pazakan'i Joda vo ponin'i Jerosalema! Yaveh Topogny maro, Zagnaharign'Israely, mizaka anizao:''Indro, zaho dra hinday loza amin'itio toera itiuo, dra gny sofin'ereo aby zay mahare anizao dra hangosokosoky.4Hanao anizay zaho satria nafon'ereo zaho dra nozimbazimbany itio toera itio. Andeso amin'itio toera itio gny anoloran'ereo soro ho an'ereo zagnahari-kafa ze sy fatany. Izy ireo, reo razambeny, dra gny pazakagn'i Joda avo koa dra fa nameno lio sy mana-signy teo amin'itio toera itio. 5Nagnory ireo toera agn'abon'i Bala izy ireo hagnoroa amy afo gny zanadahin'ereo ho fagnatisy oroa ho anazy -raha zay sy nididiko na nitignonoko, na koa nilisy tao asaiko.6Koa, indro, ho avy gny andro-zao gny fagnambaran'i Yaveh-fa gny sy ho tokavy hoe Tofeta itio toera itio, gny Lohasahan'i Ben-Hinoma, fa ho lasa Lohasahagny Famonoa zay.7Eto amin'itio toera itio gny hanovako reo fikasan'i Joda vo Jerosalema ho sy misy taliava anazy. Ho ataoko ho lavo gny lefo eo anoloan'ireo fahavalony izy ireo dra gny tanan'ireo zay mifofo gny ainy izy ireo. Dra homeko ho sakafo gny voro egny amy lagnisy vo gny biby egny amy tany gny fatin'ireo.8Dra hataoko ho faharava vo raha fihisitr'itio tana itio, ka zay aby mandalo eo amin'izay dra hangitikitiky vo hisioky momba arti-mandringa. 9Hampihinaniko gny nofon'ireo zanadahiny vo reo zanakapelany izy reo;gny olo kirairaiky dra hihina gny nofo piara-belo aminazy eo amy fahirano dra amy fangirifiria gny handesa anazy reo ay fahavalony vo ireo mitalia gny ainy.'''10Dra ho vakinao eo amason'ereo lelahy zay niaraky taminao gny taboara tanimanga.11Hizaka amin'ereo ianao ho:'Izao gny zakan'i Yaveh Topogny maro:''Hanao raha mitovy manahaky anizay amin'itio vahoaky itio vo itio tana itio zaho- zay gny fagnambaran'i Yaveh- manahaky gny nanorotoroan'i Jeremia gny taboara tanimanga gny sy nahafaha nagnamboara anizay draiky. Handevy gny maty agny Tofeta gny olo mandra-paha sy misy toera hafa handevegna ireo maty sasy.12Manahaky anizay gny hanovako itio toera itio vo ireo pony raha hanao itio toera itio manahaky an'i Tofeta zaho -zay gny fagnambaran'i Yaveh- 13ka gny tragnon'i Jerosalema vo ireo pazakan'i Joda dra ho avy manahaky an'i Tofeta-ireo tragno aby ze misy tapon-tragno hideragny olo maloto gny kita aby egny amy lagnisy dra andrarahany fagnatisy nomy ho an'ereo zagnahari-kafa.'''14Dra avy laha tagny Tofeta i Jeremia, zay nagnirahan'i Yaveh anazy ba haminany. Nisanga teo amy kiazagny tragnon'i Yaveh izy dra nizaka tamy olo aby ho:15''Izao gny zakan'i Yaveh Topogny maro, Zagnaharin'Israely ho:'indro, hinday amin'itio tana itio vo gny renivohiny aby gny loza ze fa nambarako tamin'izay, satria nagnamafy gny hatony izy ireo dra nanda sy hiteno gny zakako.''
Chapter 20

1Pasora zanak'i Imera mpisoro__ manamboninahisy pitariky izy___ dia nandre an'i Jeremia naminany reo tegny reo teo anoloan'i tragnon'i Yaveh. 2Koa novelesin'i Pasora i Jeremia paminany dra avy eo natobiny tao ami'reo hazo fapigadra izay teo amigny vavahady agnabon'i Benjamina tao amigny tragnon'i Yaveh.3Dra naboak'i Pasora tao amigny hazo fapigadra i Jeremia gny andro magnaraky. Dra hoy Jeremia taminazy: ''sy nitoka gny agnaranao ho Pasora i Yaveh, fa mangora-misabiba hanao. 4Fa izao gny zakan'i Yaveh: ''ingo, ho ataoko raha mapatahosy hanao, dra hanao vo reo olo-tianao aby, fa ho lavon'ny sabatr'ireo fahavalony izy reo dra hahita izay gny masonao. Ho atoloso eo atagnany pazakan'i Babylona gny Joda aby. Ho ataony babo agny Babylona izy reo na ho tafihiny amigny tsabatra.5Hameko anazy gny harenity tana tihoky aby vo gny fanagnany aby, gny raha sarobilin'izay aby vo gny harenigny pazakanigny Joda aby. Hapetrako egny atagnan'ireo fahavalonao reo raha reo, dra ho lasan'ereo zay. Hangalaky anireo ereo dra hinday anireo agny Babylona agny. 6Nefa hanao, ry Pasora, vo reo mitoby ao atragnonao aby dra ho lasako babo. Handeha agny Babylona hanao dra ho maty agny. Hanao vo reo olo-tianao aby ze naminanianao raha fitaky dra halevin'agny."'7" Namitaky anahy Hanao, ry Yaveh, dra voafitaky zaho. Matazaky noho izaho Hanao, dra mandresy anahy Hanao. Lasa fiomeheza mandrisy gny totolo andro zaho, mangala baraka anahy gny olon-aby. 8Fa isaky gny mizaka zaho, dra nitoka fatrasy zaho dra nitalily ho: 'Herisetra vo fandrava'. Dra lasa lasa vo fanesoa honahy isan'andro gny zakan'i Yaveh. 9Raha mizaka zaho ho: "Sy hieriserisy momba an'i Yaveh sasy zaho. Sy hizaka amigny agnarany sasy zaho.' Dra manahaky gny afo ao apoko zay, voata ao agnatinigny tolako. Ko mitolo ba hita anazy zaho saiky sy nahavita.10Nahare gny sahonireo papihorohoro boak'amigny olo aby magnodidy anahy.' Tatero! Sy maisy taterisika zay!' Reo ze mariny anahy dra mitalaky ba hagnety raha lavo zaho.' Mety ho anazy fitaha izy. Raha izay, dra afaky mandresy anazy isika dra hanao gny valifatisika aminazy.' 11Fa momba anahy manahaky gny pialy mahery Yaveh, dra hivembe reo olo ze magnitriky anahy. Sy handresy anahy ereo. Ho afa-baraka tateraky vtokoa ereo, akory sy hahomby. Ho megnasy sy hana-piafara ereo, sy haligno mandrakizay zay.12Nefa hanao, ry Yaveh Toponigny maro, Hanao ze mahita gny say vo gny fo. Angao zaho hahita gny valifatinao amin'ereo akory fa naneho gny trangako taminao zaho. 13Miasa ho an'i Yaveh! Midera an'i Yaveh! Fa namozy gny ain'ireo ze napahory tegny atagnan'ireo panao rasy Izy.14Aoky ho ozogny gny andro nahaterahako. Aoky sy ho tahy gny andro ze nindesanigny reniko anahy. 15Aoky ho ozogny gny lelahy ze napahafatasy gny babako, gny nizaka ho: 'Misy zazalelahy nateraky ho anao', hiteraky fifalia lahibe.16Aoky zay lelahy zay hanahaky reo tana ze niravan'i Yaveh dra sy nanagnany atra. Aoky izy hahare gny toka vozy amigny mangiran-drasy, vo gny tomagninigny aly amigny atoandro, 17akory sy namono anahy tao am-bohoka izy, nanao gny reniko ho loloko, dra troky ze nitoe-zaza mandrakizay. 18Nagnino zay gny niboaky tao am-bohoky zaho ba hagnety fahoria vo alahelo, ba ho feno hegnasy reo androko?"
Chapter 21

1Gny zaka ze avy tamin'i Jeremia boak'amin'i Yaveh gny fa nandefa an'i Pasora zanadahin'i Malkia vo i Zefania zanadahin'i Mahasela pisoro tagny aminazy i Zedekia pazaka. Dra hoy ereo taminazy: 2"Mangataha hevisy amin'i Yaveh honay, fa mananga aly aminay i Nebokadnezera pazakan'i Babylona. Hanao reo fahagaga ho anay angamba Yaveh, manahaky gny tamigny andro taloha, dra hapialy anazy eo aminay."3DRa hoy Jeremia tamin'ereo: "Izao gny sy maisy zakandrareo an'i Zedekia, 4'Yaveh, Zagnaharin'Israely, mizaka anizao: "Ingo, hapihery reo fitova-pelia ze eo atagnandrareo zaho, nindray amize nialiandrareo hanohisy gny pazakanigny Babylona vo reo Kaldeana ze nagnato andrareo boak'agny ivelan'ireo manda! Fa hamory anazy reo ho eo agnevon'ity tana tihoky. 5Dra Izaho vatako gny hialy aminao miaraky amigny tagna mihisy vo sandry fatrasy, vo mindray amigny fahasosora, fahasiaha, dra fahoria lahibe.6Dra hanafiky reo ponin'ity tana tihoky Zaho, na gny olo na gny biby. Ho maty amigny areti-mandringa fatrasy ereo. 7Afaran'izay__zao gny fagnambaran'i Yaveh__Zedekia pazakan'i Joda, reo panopony, gny amin'ity tana tihoky afaranigny areti-mandringa, gny mesa, dra gny mosary, dra hameko ho eo atagnan'i Nebokadnezara pazakan'i Babylona izy aby, vo eo atagnan'ireo fahavalony, dra eo atagnan'ireo ze mifofo gny ain'ereo. Dra hamono anereo amigny lela-mesa izy. Sy hiatra anereo izy, sy hamindra fo anereo. na hana fangoraha-po.'8Dra aoky ho zakanao amin'io vahoaky io ho: 'Izao gny zakan'i Yaveh: "Ingo, hapetraky manoloa andrareo gny lalanigny fiegna vo gny lalanigny fahafatesa. 9Ze mizano amity tana tihoky dra ho matinigny mesa, mosary vo gny areti-mandringa; fa ze miboaky dra loan'ireo Kaldeana ze nanao fahirano anao dra ho velo. Hienga hiaraky amigny ainy izy. 10Fa nanandry gny tarehiko hanohisy ty tana tihoky zaho ba hinday loza fa sy hinday soa__ zay gny fagnambaran'i Yaveh. Fa notolosy eo atagnanigny pazakan'i Babylona dra horoany zay.'11Tenoy gny zakan'i Yaveh mahakasiky gny taranakinigny pazakan'i Joda. 12Ry taranakin'i Davida, hoy i Yaveh: "Tateraho gny rariny amigny maraindray. Vozeo egny atgnanigny papahory gny voaroba, fadra hiboaky manahaky gny haoriako dra hagnoro, dra sy hisy na raiky aza ho afaky hamozy anizay, noho reo asa rasinao.13Ingo, ry poninigny loasaka! Manohisy anao Zaho, ry vatonigny lemaky__zao gny fagnambaran'i Yaveh__ Zaho dra manohisy reo ze manao anizahoky aby ho: "Iza gny hizoso ao atragnonigny?" 14Nanendry gny vokas'ireo asanao ho avy hanohisy anao zaho__ Zay gny fagnambaran'i Yaveh__ dra handrehisy afo agny amireo kirihis'ala zaho, dra handevy reo ze magnodidin'anazy aby zay."
Chapter 22

1Izao gny zakan'i Yaveh: ''mizosoa agny atragnon'ny pazakan'i Joda dra zakao agny izao zaka izao. 2Zakao ho: ''Ry pazakan'i Joda, tenoy gny zakan'i Yaveh___hanao izay mitoboky eo amigny seza fiandrianan'i Davida___hanao, vo reo panoponao, dra reo vahoakinao izay miriosy eo ami'reo vavahady reo. 3Izao gny zakan'i Yaveh: ''Manova gny rariny vo fahamarina, dra izay voaroba__vozeo egny atagnany mpampahory izy. Ka manao fomba rasy ami'ireo vahiny, na kamboty, na mpitondrategna eo amigny taninao. Aza manao herisetra na mandasaky gny lion'ny sy mana-signy amitiky toera tiky.4Fa gny manao reo raha reo tokoa hanao, dra hilisy eo ami'reo vavahadiny tragno tiky hitikisy Kalesy vo sovala reo pazaka mitoboky eo amigny seza fiandrianan'i Davida, izy, reo panopony, dra gny vahoakiny! 5Fa gny sy miteno reo zaka avy aminahy izay fa nizakako reo zaka hanao__izay gny fizakan'i Yaveh__dra ho avy faharavana itiky tragnony pazaka tiky.'''6Fa izao gny zakan'i Yaveh mahakasiky gny tragnon'i Joda: 'Hanao dra manahaky an'i Gileada, na manahaky gny tendron'i Libanona aminahy. Na izay aza ho avaliko tagny afisy hanao, ho tanana sy misy ponina. 7Fa nanendry reo pandrava ho avy hanohisy anao zaho! Hanapaky reo sederanao soa indrindra reo lelahy mindray amigny fitovam-peliany dra hagnenga anazy reo hiazera agnaty afo.8Dra ferenena maro gny handalo amitiky tana tiky. Hifapizaka amigny eo agnilany gny kiraikiraiky ho: ''Nanaoakory gny nanao izao tamitiky tana lahibe tiky Yaveh?'' 9Dra hamaly gny hafa ho:''Satria nahafo gny fagneken'i Yaveh Zagnahariny izy reo, dra niakohoky tami'reo Zagnahary hafa vo nanopo anazy ireo.''10Ka tomagny izay maty, na mandala hon'azy; fa mitomagnia hon'azy izay handeha lavisy, satria sy hihery sasy izy dra sy hahita gny tanindrazany sasy.11Fa izao gny zakan'i Yaveh momba an'i Jehoaza zanaky lahin'i Josia pazakan'i Joda, izay nanopo manahaky gny pazaka gny tokony ho Josia babany: ''Niala teto amitiky toera tiky izy dra sy hihery. 12Ho maty agny amigny toera izay nanova'izy reo sesitany anazy izy, dra sy hahita itiky tany tiky sasy.''13Loza ho an'izay magnory gny tragnony amigny sy fahamarigna, gny efitragnony agnabo amigny sy rariny, izay mapiasa maiky gny piara-belo aminazy, dra sy magnome gny karamany; 14Hoy izy ho: ''Hagnory tragno lahibe vo efitragno agnabo malalaky hon'ahy zaho.' Koa manapaha lafinety lahibe ho izay, dra nasiany valin-drihana sedera izay, dra nilokony mena.''15Nahavy anao ho pazaka soa se gny fagnirianaono hana takelaky sedera? Moa se sy nihina vo nino avo koa gny babanao, fa koa nanao gny rariny vo fahamarina? Dra nandeha gny zava-drehetra hon'azy. 16Nagnome rariny gny ory vo fadiranova izy. Dra soa izay. Moa se izay sy midika gny fahafatara anahy?__izay gny fizakan'i Yaveh.17Fa sy misy na ino na ino akoasy gny matahosy eo amigny masonao vo gny fonao noho gny amigny tombony sy ara-drainy vo gny amignyfandasahan-drainy sy manasigny, gny fapahoria vo fanorotoroa gny hafa.18Noho izay dra hoy i Yaveh mahakasiky an'i Joiakama zanaky lahin'i Josia, pazakan'i Joda: Sy hitomagny hon'azy izy reo dra hanao ho: ''loza, ry rahalaiko!' na 'loza, ry rahavaviko!' sy hitomagny hon'azy izy reo dra hanao ho: 'loza, ry topo! na 'loza, ry be vononahisy!' 19Halevy manahaky gny fandevegna Boriky izy, ho taritarihy vo hatoraky agny ambalikigny vavahadin'i Jerosalema izy.20Miakara agny an-tendrombohitr'i Libanona ka mitokava fatrasy. Asandrato ao Basana gny feonao. Mitokava fatrasy laha tegny amin'ireo tendrombohisin'i Abarima, fa ho halavo ireo namanao aby. 21Niresaky taminao zaho bo nandry ampilamina ianao, nefa hoy ianao ho:'Sy hiteno zaho.' zay gny fombanao hatramy fahatanoranao satria sy niteno gny feoko ianao.22Hiamby ireo piamby agn'ondrinao aby gny sioky, vi reo namanao dra ho lasa tia. Dra ho megnasy vo hangahiahy vatany ianao noho gny asa rasinao aby.23Ianao ze mony agny 'Libanona,'zay magnory gny hagnagny amy sedera, endrey gny hamindra fo aminao fa gny avy aminao gny fahararigny asa. faharariagny ze manahaky gny agny ampela miteraky!'''24''Raha velo koa zaho-izao gny fagnambaran'i Yaveh- na dra banga tombokasegny tagnako ankavana aza ianao ry Jekonia, zanadahin'i Joiakima, pazakan'i Joda, dra ho haheliheliko ianao.25Fa nomeko ho eo an-tagnan'ereo ze atahoranao, na ho egny an-tagnan'i Nebokadnezara pazakan'i Babylona vo ireo Kaldeana koa . 26Hagnary anao vo gny reninao niteraky anao agny amy tany hafa zaho, tana zay sy nahaterahanao, dra ao ianao gny ho maty.27Raha gny momba anitio tany zay hirin'ereo hiheregna itio, dra sy hihery atio ereo.28Moa se sy fanaky nirasirasy vo nivakivaky zay?Moa se sy vilagny ze sy nahafaly dre iza dre iza zay lelahy Jekonia zay? Nanao akory izy vo gny taranany gny narian'ereo, ka natorany tagny aminigny tany ze sy fatan'ereo?29Ry tany, ry tany, ry tany! Tenoy gny zakan'i Yaveh! 30Izao gny zakan'i Yaveh: 'Manorata mahakasiky anity lelahy Jekonia tihoky: sy hagnatateraky izy. Sy hambiny mandrisy gny andro-piegnany izy, dra sy hisy na raiky amireo taranany ahita fahombiaza na hipetraha eo amigny seza fiandriagnan'i Davida ndraiky dra hanapaky an'i Joda."'
Chapter 23

1"Loza ho an'ireo piamby agnondry ze mamotiky vo magnaparitaky gny agnondrinigny ahisy mesoko__izay gny fagnambaran'i Yaveh." 2Noho izay Yaveh, gny Zagnaharin'Israely, dra mizaka anizao mahakasiky an'ireo piamby agnondry ze miamby gny olony: "Naparitandrareo reo agnondry. Ko dra hagnasazy andrareo zaho nohonigny rasy ze nataondrareo__ izay gny fagnambaran'i Yaveh.3Izaho vatako gny hamory gny sisa amireo agnondriky boak'agny amigny tany aby ze nandroahako anereo, dra hagnerin'anereo amigny toera misy ahisy, ze hamokaran'ereo vo hitomboan'ereo zaho. 4Boak'eo zaho hananga piamby agnondry eo amin'ereo ze hiamby anereo ba sy hatahosy na torotoro sasy ereo. Sy hisy ho levo ereo__izay gny fagnambaran'i Yaveh.
6Amireo androny dra ho voavozy i Joda, dra Israely dra hiay apilamina. Dra izao gny agnara hitokavany anazy: Yaveh gny fahamarignasika.7Noho izay ingo, ho avy gny andro__izao gny fagnambaran'i Yaveh__gny fa sy hizaka sasy ereo ho: 'Raha bo velo koa Yaveh, gny ninday gny vahoakin'Israely hiboaky gny tany Egypta.' 8Fa hizaka koa ereo ho: 'Raha bo velo koa Yaveh, gny ninday vo nitariky gny taranak'Israely boak'agny amigny tany avarasy vo gny tany aby ze nandroaha anereo.' Boak'eo dra hiay agny amigny tanin'ereo avo ereo.9Raha gny momban'ireo paminany, dra marasy gny foko, dra matahosy gny tolako aby. Lasa manahaky gny olo mamo zaho, manahaky gny olo ze resinigny divainy, noho Yaveh vo reo zakany masy. 10Fa gny tany dra feno pizangazanga. Noho reo dra maiky gny tany. Maiky reo tanin'ahisy agny agnefisy. Rasy reo lalanigny paminany reo; sy miasa amigny tokony ho izy gny fahefan'ereo.11"Fa reo paminany vo reo pisoro dra samy maloto. Fa nahita gny faharasian'ereo tao atragnoko mihisy zaho! __izay gny fagnambaran'i Yaveh__ 12noho izay dra hanahaky gny toera malama ao agnaty mezy gny lalan'ereo. Hataosika hizoso ereo. Hezera eo amizay ereo. Fa handefa loza eo amin'ereo amigny taonanigny fagnasazia anereo zaho__ izay gny fagnambaran'i Yaveh.13Fa hitako nanao ze mapangelakelaky reo paminany tagny Samaria: naminany tamin'i Bala ereo dra nitariky gny vahoaky Israely amigny lalan-diso. 14Nahita raha mapasiaky teo amireo paminany tagny Jerosalema zaho: Nizangazanga ereo dra nandeha tamigny tafiky. Nagnamafy gny tagnan'ireo panao rasy ereo; sy nisy niala tamigny rasy fanaony. Lasa manahaky an'i Sodoma avokoa izy aby aminahy dra gny poniny dra manahaky an'i Gomora!" 15Noho izay Yaveh toponigny maro dra mizaka anizao mahakasiky reo paminany: "Ingo, hapihina raha-mahafaty vo hapino rano misy poizy anereo zaho, akory gny fahalotoa dra niboaky tamireo paminanin'i Jerosalema nagnagny amigny tany aby."16Yaveh toponigny maro dra mizaka anizao: "Ka miteno gny zakan'ireo paminany ze maminany amindrareo. Fa namitaky andrareo ereo! Ereo dra mitalily fahita boak'ao asain'ereo manokan'avo, fa sy avy amigny vavan'i Yaveh. 17Mizaka avo amireo ze mangala baraka anahy ereo ho: 'Yaveh dra mitalily fa hisy fedagna ho andrareo.' Fa gny olona aby ze mandeha amigny herinigny fony dra manao anizahoky ho: 'Sy ho avy amindrareo gny loza.' 18Nefa iza gny nisanga teo amigny fivorianigny synedrionan'i Yaveh? Iza gny mahita vo mahare gny zakany? Iza gny nanongila-sofy tamigny zakany dra niteno?19Ingo, misy rivo-doza ho avy boak'agny amin'i Yaveh! Miboaky gny haoriany, dra misy tafio-drivosy hisioky. Misioky magnodidy gny lohan'ireo rasy fagnahy zay. 20Sy hihery gny haorian'Agnahary mandra-pahataterahany vo mandra-pindesany gny fikasanigny fony. Amigny andro farany, dra ho azondrareo zay.21Sy nandefa reo paminany reo Zaho. Nipoisy avo ereo. Sy nitalily na ino na ino tamin'ereo zaho, nefa bo naminany avo ereo. 22Fa raha nisanga teo amigny fivorianigny synedrionako ereo, dra haavy gny oloko hahare gny zakako ereo; napivily anereo tamireo tena rasiny vo fanovan'ereo reo kolikoly.23Moa zagnahary mariny eo avo ra zaho__izao gny fagnambaran'i Yaveh__fa sy zagnahary lavisy avo koa? 24Misy olo afaky mivony agny amigny toera mivony ra dra sy hitako? __izay gny fagnambaran'i Yaveh__ dra sy mameno gny lagnisy vo gny tany zaho? __izay gny fagnambaran'i Yaveh.25Fa reko gny voazakan'ireo paminany, reo ze naminany fitaky tamigny agnarako. Hoy ereo ho: 'Nagnonofy zaho! Nagnonofy zaho!' 26Hafiria gny hitohizan'izay, ry paminany ze maminany vandy boak'ao asain'ereo, vo maminany boak'amigny tafiky ao apon'ereo? 27 Ereo dra mitetiky gny hagnadinoanigny oloko gny agnarako amireo nofy ze taterin'ereo sirairay boak'amigny piara-mony aminazy, manahaky gny nagnadinoanigny razamben'ereo gny agnarako nohonigny agnaran'i Bala.28Gny paminany ze mana nofy, aoky izy hitatisy gny nofy. Fa ze nitalily raha, aoky izy hitalily gny zakako apahamarigna. Fa ino gny idiranigny mololo amigny vary? __izay gny fagnamaran'i Yaveh__ 29Moa sy manahaky gny afo ra gny zakako? __izay gny fagnambaran'i Yaveh__dra manahaky gny tatagna ze manorotoro vato ho potipotiky? 30Ko ingo, manohisy an'ireo paminany zaho__izay gny fagnambaran'i Yaveh__ze mangalasy zaka aby amigny olo hafa dra mizaka fa avy aminahy reo.31Ingo, manohisy an'ireo paminany zaho__izay gny fagnambaran'i Yaveh__ze mapiasa gny lelan'ereo ba haminania fagnambara. 32Ingo, manohisy an'ireo paminany ze magnofy ami-pitaky zaho__zay gny fagnambaran'i Yaveh__dra boak'eo mitalily dra amizay fomba zay dra mamitaky gny olokoamigny alalanigny fitaky vo fiheboheboan'ereo. Manohisy anereo zaho, akory sy nagniraky na nagnome baiko anereo zaho. Noho izay dra azo atoky fa sy hagnapy an'ity vahoaky tihoky ereo__zay gny fagnambaran'i Yaveh.33Fa gny magnontany anao ireo olo ireo,na gny paminany, na gny pisoro ho:'Ino gny eta-mavesasin'i Yaveh?' dra hizaka amin'ereo hanao ho: 'Handrareo gny eta-mavesasy, dra handroaky andrareo Zaho'__ Izaho gny fagnambaran'i Yaveh. 34Raha gny amireo paminany, pisoro, vo olo ze mizaka ho: 'Tihoky gny vesas'i Yaveh' dra hagnasazy anizay olo zay vo gny akohonany zaho.35Sy mizano mizaka iandrareo , gny olo kirairaiky amy piara-belo aminazy dra gny olo kirairaiky amy rahalahiny ho:'Ino gny navalin'i Yaveh?' Sy ho:'Ino gny nambaran'i Yaveh?' 36Fa gny sy tokony hiresaky mombagny vesasin'i Yaveh sasy andrareo, satria gny vesasy dra gny zakanigny olo kirairaiky manoka, dra andrareo dra nametaveta gny zakagny toponigny maro, Zagnaharisika.37Izao gny ho zakandrareo aminigny paminany ho:'Ino gny vali-zaka nomen'i Yaveh andrareo? Dra ho:'Ino gny zakan'i Yaveh' 38Fa raha mizaka iandrareo ho:'Gny vesasin'i Yaveh,'dra izao gny ambaran'i Yaveh:'Satria nizaka ireo zaka reo iandrareo ho:'Vesasin'i Yaveh,'fa gny nagniraky andrareo zaho, nizaka ho:'Ka mizaka ho:'' Vesasin'i Yaveh,'''39noho zay,dra indro, hangalaky andrareo zaho dra hatorany andrareo lavisy anahy, miaraky amy tana ze nomeko andrareo vo ireo razambendrareo vo fagnarasiarasia amindrareo mandrakizay zay sy ho haligno .'''
Chapter 24

1Napiseho raha taminahy i Yaveh. Ingo, aviavy ro haro gny napetrako teo agnatrehanigny tepolin'i Yaveh. (Io fahita io dra niseho tafaranigny nanovan'i Nebokadzenara, pazakan'i Babylona sesitany an'i Joakina zanadahin'i Joakima, pazakan'i Joda, reo mana-pahefan'i Joda, reo panao asa tagna dra reo panefy vy boak'ao Jerosalema dra nindesany anereo tagny Babylona.) 2Gny taty raiky dra nisy aviavy soa vatany, manahaky gny volohan'aviavy masaky, fa gny taty raiko koa dra nisy aviavy tena rasy dra sy afaky hohany reo. 3Hoy i Yaveh taminahy: "Ino gny hitanao, ry Jeremia?" Hoy zaho ho: "Aviavy. Aviavy ze tena soa vatany dra aviavy rasy vatany koa dra sy azo hany."4Dra avy taminahy gny zakan'i Yaveh, manao anizahoky ho: 5"Yaveh, zagnaharin'Israely, nizaka anizao: Hagnety gny sesitanin'i Joda ho anigny aviavy soa reo, reo natao sesitany ze teto amin'ity toera tihoky ho agny amigny taninigny Keldeana. 6Ho sofiko rano ereo dra haheriko eo amin'io tany io ndraiky. Hasangako ndraiky ereo. fa sy ho solako. Hangako ereo, dra sy ho fongorako. 7Hameko fo ba hahafatasy anahy, fa Izaho gny Yaveh. Ho oloko ereo dra Izaho ho Zagnahariny, dra hitoliko Aminahy amigny fony manotolo ereo.8Fa manahaky anireo aviavy ze rasy vatany raha hohany__dra izao gny zakan'i Yaveh__manahaky anizay fomba zay gny hanovako an'i Zedekia, pazakan'i Joda, miaraky amireo mana-pahefany, dra gny Jerosalema sisa tavela amin'ity tany tihoky na mandeha ba hipetraky agny amigny tany Egypta. 9Havadiko ho raha mapatahosy ereo, ho loza, eo amasonigny fazakanigny tany aby, fahafaham-baraka vo ambeti-zakan'ohabola, fizaka rasy, dra ozo amigny toerana aby ze hindesako anereo. 10Handefa raha maragnisy, mosary, dra areti-mandringa amin'ereo zaho, mandra-paharava anereo amin'ity tany ze nameko reo vo gny razambeny tihoky."
Chapter 25

1Izao gny zaka avy tamigny Jeremia mahakasiky gny olon'i Joda iaby. Avy zay tamy tai fahefasy nazakan'i Joiakima zanak'i Josia, pajakan'i Joda. Tao volohany nazakan'i Nebokadnezara,pazakan'i Babylona zay. 2Jeremia paminany nagnambara anizao tamy olo aby tao Joda vo gny ponin'i Jerosalema iaby.3Hoy izy ho:''Nandrisy gny telo amby ropolo tao,tamy fahatelo ambigny folo tao nazakan'i Josia zanak'i Amona, pazakan'i Joda mandraky amizao, dra avy taminahy gny zakan'i Yaveh dra fa nizakako andrareo hatragny avo, fa sy niteno iandrareo.4Nandefa ireo paminany panopony iaby ho eo amindrareo hatragny avo i Yaveh, fa sy niteno anazy iandrareo na niraharaha.5Reo paminany nizaka ho: 'Aoky gny olo sirairay hiala amigny fomba rasiny vo gny kolikoly fanaony dra hiheregna agny amigny tany ze namen'i Yaveh gny razambendrareo tamigny andro faela vo gny ho andrareo, ho fagnomeza maharisy. 6Ka magnoriky amireo zagnahary hafa ba hanopo na hiakohoky amin'ereo, dra ka miasy anazy amireo asanigny tagnandrareo ba sy hagnisiany rasy andrareo.'7Kanefa sy nitenondrareo zaho__izao gny fizakan'i Yaveh__koa fa niasy anahy handrareo amigny asan'ny tanandrareo ba hagnisy rasy andrareo. 8Koa Yaveh tompon'ny maro nizaka izao: ''satria sy niteno ireo zakako handrareo, 9Ingo, handefa didy hagnorogna gny olo aby avy agny avarasy zaho_-izay gny fizakan'i Yaveh__ mindray amin'i Nebokadnezara mpanopoko, pazakan'i Babylona, dra hinday anazy reo hanohisy izao tany izao vo reo poniny zaho, dra hanohisy reo ferenena aby magnodidy andrareo. Fa ho atokako izy reo amigny fandringana. Ho avaliko ho horohoro, vo raha mapisiosioky, dra faharava sy misy fahatapera izy reo.10Hasahaso gny feon'ny fifalia dra gny feon'ny firavoravoa, gny feon'ny papakasy dra gny feon'ny apakary, gny feon'ny vato fokosoham-bary dra gny fahazavan'ny ziro. 11Dra ho avy faharava vo horohoro itiky tany aby tiky, dra reo ferenena reo hanopo gny pazakan'i Babylona mandrisy gny fitopolo tao.12Dra gny fa feno gny fitopolo tao, dra ho faiziko gny pazakan'ny Babylona vo izay ferenena izay, dra gny tanin'ireo Kaldeana___izay gny fizakan'i Yaveh__noho gny helok'izy reo dra ho ataoko ho faharavana sy misy fahatapera izay. 13Koa ho tanterahiko amin'izay tany izay gny zaka aby izay fa nizakako, dra gny raha aby voasorasy ao ami'tiky boky izay naminanian'i Jeremia hanohera ireo ferenena aby itiky.14Fa hamoaky reo andevo ao amin'ireo ferenena ireo koa gny ferenena maro hafa vo reo pazaka lahibe maro hafa.Ho valiako araky gny ataony vo araky gny asan'ny tagnany avy izy reo.15Fa Yaveh, Zagnaharindr'Israely, nizaka izay taminahy manao ho:''Reso etiky atagnako ity kapoaka-divain'ny fahatezera itiky dra aoka reo ferenena aby izay agnirahako anao hino izay. 16Fa hono izy reo vo ho tafitohina noho izay dra hivembena manahaky gny mola anoloan'ny sabatra izay andehanako eo amin'izy reo.''17Koa dra nalako avy eo atagnan'i Yaveh gny kapoaky, dra napinomiko izay gny ferenena aby izay nalefan'i Yaveh anahy: 18Dra i Jerosalema, ireo tanan-dehiben'i Joda vo gny pazakany dra i reo manam-pahefana__ba hamadiky anazy reo ho faharavana vo raha mapatahosy, vo raha mapisiosioky vo fagnozogna, manahaky anazy ireo amin'izao andro izao.19Sy maisy nino izay koa ireo ferenena hafa: Farao pazakan'i Egypta vo reo panopony; ireo manam-pahefany vo gny vahoakiny; 20Gny olo aby samy hafa fiavia vo reo pazaka aby avy amigny tanin'i Oza; ireo pazaka avy amigny tanin'ny Filistia aby__Askelona, Gaza, Ekron, dra gny sisa agny Asdoda; 21Adoma vo Moaba dra gny vahoakan'i Amona.22Ireo pazakan'i Tyrio vo i Sidona, ireo pazakanigny moro-siraky egny andafiny ranomasy, 23Dedana, Tema, dra Boza miaraky gny sisigny volondohan'ereo, sy maisy nino anizay avo koa izy ireo.24Tahoky olo tahoky dra sy maisy mino anizay avo koa: gny pazakan'i Arabia aby dra pazakagny vahoaky samy hafa fiavia aby ze mony agny agnesy; 25gny pazakan'i Zimry aby, gny pazakan'i Elama iaby, dra gny pazakan'i Media iaby; 26gny pazakagny avarasy aby, na gny mariny na lavisy -gny olo kirairaiky miaraky amy rahalahiny dra gny fazaka iaby eo amin'izao totolo zao ze eo agn'abony tany .Tafaran'izy iaby zay dra pazakan'i babylona gny nino farany.27Nizaka taminahy Yaveh ho:''Amizao sy maisy hizaka amin'ereo ianao ho:'Yaveh Toponigny maro,Zagnaharin'Israely, nizaka anizao:Minoma dra mimamoa, dra mandoava, milavoa, dra ka misanga manoloa gny sabasy ze nalefako eo amindrareo.'28Dra raha manda sy handramby gny kapoaky ho nomy egny an-tagnanao izy ireo, dra zakao izy ireo ho:'nizaka anizao Yaveh toponigny maro ho:sy maisy mino anizay vatany iandrareo.29Fa indro, hinday loza eo amy tana ze nitokavy tamy agnarako zaho, dra vatany ho afaky amy famezigna se iandrareo? Sy ho afaky iandrareo, satria hitoka gny sabasy hanohisy gny pony aby amy tany zaho! - Zay gny fagnambaran'i Yaveh Toponigny maro.'30Sy maisy maminany reo tany aby amin'ereo hanao, dra zakao anereo ho: 'Hiero boak'agny amigny abo i Yaveh dra hanandrasy gny feony boak'egny amigny fitoerany masy, dra hierona fatrasy amigny fihoretany izy; dra hihiaka dra, manahaky ereo ze magnisakisaky gny voalobaka magnkany ereo aby ze miay eto tagny. 31Gny feon'aby hanakohako hatrany zizikizay tany, fa Yaveh minday fiampagana amin'ereo firenena, dra minday fahasoava eo amigny nofo aby izy. Hognome ereo rasy fagnahy eo amigny sabasy izy __ izaho gny fitalilian'iaveh.'32Yaveh Toponigny maro nizaka anizahoky ho: 'Ingo, hiboaky hizaka firenena gny loza, dra mela boak'agny amigny farisy lavisy indrindra amigny tany gny tafio-drivosy mahery. 33Dra reo ze nivonon'i Yaveh amizay andro zay dra hihitasy hatragny amigny fiafaranigny tany raiky dra hatramigny ilany hafa; sy handala ereo, na havoriny, na halevoriny, na haleviny. Hanahaky gny zeziky eo agnabonigny tany ereo.34Midradradradra, Ry piamby agn'ondry, dra mitoka hazolava! Mipalipalisy eo amy vovoky, iandrareo ry pitariky agn'ondry, fa avy gny andro famonoa andrareo; hibarakay manahaky gny vilagny matify iandrareo fa gny lavo.35Sy misy fialofa ho an'ereo piamby agn'ondry, sy ho afa-mandositry ireo pitariky gny agn'ondry. 36Tenoy gny tomagnon'ereo mpiamby agn'ondry vo gny fidradradradran'ereo mpitarik'agn'ondry, fa simban'i Yaveh gny ahisin'ereo.37Ka ho ravarava ireo ahisy noho fasiahany fahorian'i Yaveh.38Manahaky gny liona tanora, nagnenga gny zohiny izy,satria gny tanin'ereo dra ho avy tahosy noho gny fahorianigny papahory, noho gny ferehetagny fahoriany.''
Chapter 26

1Tamy fiandohagny fazakan'i Joiakima zanadahin'i Josia, dra avy laha tamin'i Yaveh izao zaka izao, nanao ho: 2''Yaveh nizaka ho:''Misangana eo amy kiazanigny tragnoko ze amy tananan'i Joda iaby zay avy hanao fanompoam-pivavaha ao an-tragnoko.Ambarao gny zaka aby ze nandidiako anao ho zakanao amin'ereo. Ka misy zaka hangala! 3Vasa ba hiteno izy ireo, ka hiala amin'ireo lalan-drasiny gny olo kirairaiky, ka hihazo gny loza ze fa nikasakoho andesy eo amin'ireo noho gny faharasianigny fomba fataon'ireo zaho.4Dra sy maisy mizaka amin'ereo ianao ho:'Izao gny nambaran'i Yaveh: Raha sy miteno anahy iandrareo ka sy mandeha araky gny lalako ze napetrako teo anatrehandrareo-5raha sy miteno gny zakan'ireo paminany panopoko iandrareo ze nikirizako nalefa tamindrareo -fa sy niteno iandrareo!6dra ho ataoko manahaky an'i Silo itio tragno itio; ho ataoko ozo eo amason'ireo firenena aby erany gny tany itio tana itio.'''7Ireo pisoro, ireo paminany, vo gny olo aby dra nahare an'i Jeremia nagnambara anizay zaka zay tao an-tragnon'i Yaveh.8Dra raha vao nifara gny fagnambaran'i Jeremia gny zaka iaby ze nandidian'i Yaveh anazy ho zakany tamy olo iaby, dra nanambosy anazy ireo pisoro, ireo paminany, vo gny olo iaby dra nanao ho:''tana ho maty ianao! 9Nanao akory ianao gny naminany tamy agnaran'i Yaveh dra nizaka fa itio tragno itio dra ho avy manahaky an'i Silo dra itio tana itio dra ho lao, dra sy hisy pony? Fa gny vahoaky iaby nivory nanohisy an'i Jeremia tao an-tragnon'i Yaveh.10Dra nahare anizay zaka zay reo mana-pahefan'i Joda dra niakasy boak'agny atragnon'i Yaveh. Nitoby teo am-bavahady teo amigny Vavahady vaovanigny tragnon'i Yaveh ereo. 11Reo pisoro vo reo paminany nizaka tamireo mana-pahefa vo gny olona aby. Hoy ereo: "Rariny ho an'ity lelahy tihoky ho maty, fa naminany nanohisy anity tana tihoky izy, araky ze rendrareo tamigny sofindrareo!" 12Ko nizaka tamireo mana-pahefa aby vo gny vahoaky aby i Jeremia dra nizaka ho: "Yaveh gny nandefa anahy haminany hanohisy anity tragno vo tana tihoky, ba hizaka gny zaka aby ze fa rendrareo.13Ko amizao, hasoavo gny lalandrareo vo gny fanaondrareo, dra mitenoa gny feon'i Yaveh Zagnaharindrareo ba hanegnenany hanohera andrareo. 14Izaho mihisy gny eo atagnandrareo atio zaho! Atovy aminahy ze soa vo ze mary eo amasondrareo. 15Fa tokony ho fatandrareo vatany fa raha mamono anahy handrareo, dra hinday lio mary ho anigny vatandrareo vo ho an'ity tana tihoky vo gny pony ao aminazy, fa Yaveh vatany gny nandefa anahy teo amindrareo hitalily reo zaka aby reo ho renigny sofindrareo.16Dra reo mana-pahefa vo gny olona aby nizaka tamireo pisoro vo reo paminany ho: "Sy mendriky gny ho maty ty lelahy tihoky akory nitalily raha tamisika tamigny agnaran'i Yaveh Zagnaharisika izy." 17Ko dra nisanga reo loholonigny tany dra nizaka tamigny fengonanigny olo manotolo.18Hoy ereo ho: "Mika Morastita dra naminany tamigny andron'i Hezekia pazakanigny Joda. Nizaka tamigny vahoakin'i Joda aby izy dra nanao anizahoky ho: 'Yaveh toponigny maro nizaka zao: hasany manahaky gny saka i Ziona, ho avy korotam-bato i Jerosalema, dra gny tendrombohisinigny tepoly dra ho avy havoa rakosy kirihisala.' 19Namono anazy ra i Hezekia pazakanigny Joda vo gny Joda aby? Sy natahosy an'i Yaveh ra izy dra napitony gny tarehin'i Yaveh ba hagnazanognan'i Yaveh gny loza ze fa zinakany aminereo? Ko hanao raha rasy lahibe amigny aisika avo ra sika?"20Teo agnilan'izay koa dra nisy lelahy hafa ze naminany tamy agnaran'i Yaveh- Oria zanadahin'i Jearima-izy dra naminany hanohisy anitio tana vo tany itio, nifagnaraky tamy zakan'i Jeremia aby.21Fa gny ren'i Joiakima pazaka vo gny miaramila iaby vo gny manam-pahefany gny zakany, dra niezaky gny hamono anazy gny pazaka, saiky nahare anizay i Oria ka natahosy, dra nilomay dra lasa nagnagny Egypta.22Dra nandefa lelahy ho agny Egypta gny pazaka Joiakima- Elnatana zanadahin'i Akbora vo lelahy handeha ho agny Egypta hagnaraki an'i Oria.23Nalan'ereo hiboaky laha tgny Egypta i Oria dra nandesiny teo amin'i Joikima pazaka izy.Dra nivononi Joiakima tamy sabasy izy dra nalefany tagny amin'ireo lolo gny olo-sotra gny fatiny.24Fa gny tanan'i Ahikama zanadahin'i Safana dra niaraky tamin'i Jeremia, ka sy natolosy teo ampela-tagnany vahoaky ba ho vono izy.
Chapter 27

1Tamigny fiandohanigny fazakan'i zebadia zanadahin'i Josia, mpazakan'i joba, dra avy tamin'i Jeremia ty zaka boak'amin'i Yaveh tihoky. 2Izao gny zinakan'i Yaveh taminahy ho: "Mamboara famahea vo zioga ho anigny vatanao. Atobeo eo amigny hatokao reo. 3Boak'eo dra alefaso agny amigny pazakan'i Edoma, pazakan'i Moaba, pazakanigny vahoakin'i Amona, pazakan'i Tyro, dra amigny pazakan'i Sidona reo. Alefaso amigny alalanigny tagnan'ireo masoivohonigny pazaka ze avy boak'ao Jerosalema ho agny amin'i Zedekia pazakan'i Joda reo. 4Ameo baiko ereo ho an'ireo topon'ereo dra zakao ho: "Yaveh toponigny maro, Zagnaharin'Israely, dra nitalily anizao: Izao gny sy maisy ho zakandrareo amireo topondrareo:5"Izaho vatako dra nanao gny zaka tamigny alalanigny heriko lahibe vo gny sandriko nisanga. Izaho avo koa gny nanao gny olo vo reo biby eo agnabonigny tany, dra nameko an'ize mary teo amasoko zay. 6Ko amizao, zaho vatako dra hagnome reo tany aby reo ho eo apela-tagnan'i Nebokadnezara, pazakan'i Babylona, panopoko. Ameko anazy avo koa reo raha managnay egny agnahisy ba hanopo anazy. 7Fa gny firenena aby dra hanopo anazy, reo zanadahiny, dra reo zafiny mandra-pahavinigny fotoanigny taniny. Dra hisy firenena maro vo pazaka lahibe handresy anazy.8Noho izay gny firenena vo gny fazaka ze sy manopo an'i Nebokadnezara, pazakan'i Babylona, dra sy mametraky gny hatony ao ambaninigny zioganigny pazakan'i Babylona__dra ho saziko amigny sabasy, mosary, dra areti-mandringa zay firenena zay__izay gny fagnambaran'i Yaveh__ mamndra-paharavako anereo amigny alalanigny tagnany.9Ko ka miteno an'ireo pizaka gny ho aby, reo pisikilindrareo, reo pahitandrareo, reo pagnety gny ho avy, dra reo pagnosavy, ze nizaka tamindrareo dra nizaka ho: 'Ka manopo gny pazakan'i Babylona.' 10Fa ereo dra maminany vandy amindrareo ba handefasa andrareolavisy gny zakandrareo, fa ho roahiko handrareo, dra ho maty handrareo. 11Fa reo firenena ze mametraky gny hatony ao ambaninigny zioganigny pazakan'i Babylona dra manopo anazy, dra hangako hizano eo amigny taniny zay__izay gny fagnambaran'i Yaveh__dra hamboly eo amizay ereo dra hagnory gny tragnon'ereo eo amizay.""12Ko nizaka tamin'i Zedekia pazakan'i Joda Zaho dra nagnome anazy anizao hafasy zao: "Apetraho ao ambaninigny zioganigny pazakan'i Babylona gny hatondrareo dra ho velo handrareo. 13Nagnino handrareo gny ho maty__handrareo vo gny vahoakinao__amigny alalanigny sabasy, mosary, vo gny areto-mandringa, manahaky gny fa namboarako mombanigny firenena ze manda gny hanopo gny pazakan'i Babylona?14Ka miteno gny zakan'ireo paminany ze mizaka amindrareo dra mizaka ho: 'Ka manopo gny pazakan'i Babylona,' akory maminany vandy amindrareo ereo. 15'Fa sy nandefa anereo zaho__izay gny fagnambaran'i Yaveh__ fa ereo dra maminany fitaky amigny agnarako ba handroahako andrareo dra ho maty handrareo, handrareo vo reo paminany ze naminany tamindrareo."'16Zinakako tamin'ireo pisoro vo gny olona aby zay dra nanao anizahoky ho: "Izao gny zakan'i Yaveh: Ka miteno gny zakan'ireo paminanindrareo ze maminany amindrareo dra manao anizahoky ho: 'Ingo! Reo raha tao atragnon'i Yaveh dra nahery tagny Babylona amizao!' Maminany vandy amindrareo ereo. 17Za miteno anereo. Tokony hanopo gny pazakan'i Babylona handrareo dra ho velo. Nagnino gny tokony ho rava ty tana tihoky? 18Raha paminany ereo, dra raha avy tamin'ereo mary gny zakan'i Yaveh, dra aoky ereo hitalao amin'i Yaveh toponigny maro ba sy handefa amin'i Babylona reo raha ze tavela ao atragnony, gny tragnonigny pazakan'i Joda, vo Jerosalema.19Yaveh toponigny maro dra mizaka anizao momban'ireo andry, gny tavin-drano lahibe, vo gny pisy gny tavin-drano, dra gny ambin'ireo raha ze tavela ao amin'io tana io__20reo raha ze sy nitakarin'i Nebokadnezara gny fa nitarazo an'i Jekonia zanadahin'i Joiakima, pazakan'i Joda, ho babo boak'agny Jerosalema ho agny Babylona nindray tamireo mana-kazan'i Joda vo Jerosalema.21Yaveh toponigny maro, Zagnaharin'Israely, dra mizaka anizao momban'ireo raha ze tavela ao amigny tragnon'i Yaveh, gny tragnonigny pazakan'i Joda, vo Jerosalema ho: 22'Handesy agny Babylona reo, dra hitoby agny mandra-pahavianigny andro hiaviako ho andrareo__izay gny fagnambaran'i Yaveh__boak'eo zaho hinday anireo agny amin'io toera io."'
Chapter 28

1tamin'izay tao zay , tamy fiatombohanigny fazakan'i Zedekia pazakan'i Joda, tamy fahefa-tao vo fahadimy vola, Hanania zanadahin'i Azora paminany, ze laha tagny Gibeona, dra nizaka taminahy tao an-tragnon' i Yaveh teo anatrehan'ireo pazaminany vo gny vahoaky iaby. Hoy izy ho:''2Yaveh Tompogny maro , Zagnaharisin'Israely,mizaka anizao: Fa nivakiko gny zioga ze napetraky gny pazakan'i Babylona.3Ao agnatigny ro tao dra haheriko eto amin'itio toera itio ireo raha aby tao an-tragnon'i Yaveh ze nalan'i Nebokadnezara pazaka an'i Babylona teto amin'itio toera itio ka nitiminy nagnagny Babylona. 4Dra ho andesiko mihery amin'itio toera itio i Jekonia zanadahin'i Joiakima,pazakan'i Joda, dra ireo babo aby ze niahiny nagnagny Babylona -zay gny fagnambaran'i Yaveh-fa hamotiky gny ziogagny pazakan'i Babylona zaho.''5Dra nizaka tamin'i Hanania paminany teo anatrehan'ereo pisoro vo gny vahoaky aby ze nijoro tao an-tragnon'i Yaveh i Jeremia paminany. 6Hoy Jeremia paminany ho:''Hanao anizay seky Yaveh! Yaveh seky hagnamafy ireo zaka ze naminanianao ka hagnery ireo rahagny tragnon'i Yaveh eto amin'itio toera itio, vo ireo babo eto aby laha tagny Babylona.7Na zay avo, mitenoa anizao zaka ze ambarako eo asofinao vo eo asofiny vahoaky aby.8Ireo paminany ze nisy teo alohako vo teo alohanao taloha ela be avo koa dra naminany mahakasiky ireo firenena maro vo hanohisy ireo fazaka lahibe, momba gny aly, mosary, dra gny areti-mamono.9Fa gny paminany ze maminany fa hisy fiadana-raha tateraky gny zaka, dra ho fatasy fa paminany nirahan'i Yaveh vatany izy.''10Fa nirambesin'i Hanania paminany gny zioga zaka ambozon'i Jeremia paminany dra nivakiny zay.11Laha teo dra nizaka teo anatrehany vahoaky aby i Hanania ka nanao ho: '''Izao gny zakan'i Yaveh: Manahaky anizay hoa, ao agnatigny ro tao dra ho vakiko avo koa ireo zioga ze napetrak'i Nebokadnezara pazakan'i Babylona teo ambozony firenena iaby.''Dra nizotra tamy lalany i Jeremia paminany.12Tafarany nanorotoroan'i Hanania paminany gny zioga teo amy vozon'i Jeremia paminany, dra avy tamin'i Jeremia paminany gny zakan'i Yaveh, nanao ho:13''Mandehana dra miresaha amin'i Hanania dra zakao ho:'izao gny zakan'i Yaveh: namaky zioga hazo Ianao, fa Izaho koa hanao zioga vy.'14Fa izao gny zakan'i Yaveh tompogny maro: Fa nametraky zioga vy tamy vozon'ireo firenena iaby ze manopo an'i Nebokadnezara pazakan'i Babylona ireo zaho, ka hanopo anazy izy ireo. Fa nagnome anazy bibidia avo koa zaho ba hanapaky eo aminazy.''15Tafaran'izay i Jeremia paminany dra nizaka tamin'i Hanania paminany ho:''Mitenoa ry Hanania! Sy nagniraky anao i Yaveh, fa ianao tenanao gny nahavy ireo vahoaky hino vany.16Koa izao gny zakan'i Yaveh: Indro, hangalaky anao eto an-tany zaho. Ho maty amin'itio tao itio ianao , satria magnambara fikomia an'i Yaveh ianao.''17Tamy fahafitogny volon'izay tao zay avo, dra maty i Hanania paminany.
Chapter 29

1Itahoky gny zaka tao amigny hironan-taratasy izay nalefan'i Jeremia paminany avy agny Jerosalema ho an'ireo loholona sisa tavela tamin'ireo babo vo tamin'ireo pisoro, ireo paminany, dra reo vahoaky izay nataon'i Nebokadnezera sesitany avy agny Jerosalema agnagny Babylona. 2Izay dra tafaran'ny nandefasana an'i Jekonia pazaka, vo gny reny pazaka vavy, vo reo mana-pahefana agnabo, gny pitariky an'i Joda vo Jerosalema, dra reo panao asa-tagna tagny Jerosalema. 3Napandesiny an'i Elasa zanak'i Safana dra Gemaria zanak'i Hilkia izay nirahin'i Zedekia pazakan'i Joda, tagny amin'i Nebokadnezara pazakan'i Babylona, gny horona-taratasy.4Izao gny sorasy ao amigny taratasy igny:''Yaveh tompon'ny maro, Zagnaharindr'Israely, mizaka izao amin'ireo babo aby izay nataoko sesitany avy tagny Jerosalema ho agny Babylona: 5Magnamboara tragno dra mitoboha ao amin'ireo. Mambole zaridaina dra hano gny tegnan'ireo.6Mangala valy dra miteraha zanaky lahy vo zanaky vavy. Dra hangalao valy ireo zanandrareo lahy, dra tolory reo zanakindrareo vavy. Aoka izy reo hiteraky zanaky lahy vo vavy dra apitombo reo ba sy hazary ho visy loasy handrareo. 7Kasaho gny fiadagnany tana izay nanovako andrareo ho sesitany, dra mivavaha aminahy ho an'izay satria hisy fiadagna ho anao ao raha ao gny fiadagna.''8Fa Yaveh tompon'ny maro, Zagnaharindr'israely, dra nizaka izao: 'Ka magnenga an'ireo paminany izay eo agnevondrareo vo reo pisikily hamitaky andrareo, dra ka miteno reo nofy izay nofisindrareo. 9Fa izy reo dra maminany am-pitaky amindrareo amigny agnarako.Sy nandefa anazy reo zaho__izay gny fagnambaran'i Yaveh.'10Fa izao gny zakan'i Yaveh: Gny nanapaky andrareo handrisy gny fitopolo tao i Babylona, dra hagnapy andrareo zaho dra hagnatateraky gny zaka soako ho andrareo ba hagneregna andrareo amitiky toera tiky. 11Fa izao tegnako gny mahafatasy gny fikasako ho andrareo__izay gny fagnambaran'i Yaveh__fikasako fiadagna fa sy loza, ba hagnome ho avy vo gny fanatenana ho andrareo.12Dra hitoka anahy handrareo, dra andeha hivavaky aminahy, dra hiteno andrareo zaho. 13Fa hitalia anahy dra hahita anahy, satria hitalia anahy amigny fondrareo manotolo. 14Dra ho hitandrareo zaho__izay gny fagnambaran'i Yaveh__dra ho haheriko gny gny harendrareo; ho ahoroko avy agny amigny ferenena vo toerana aby nampielezako andrareo handrareo__izay gny fagnambaran'i Yaveh___fa hagnery andrareo agny amigny toera izay nanovako sesitany andrareo zaho.'15Satria nandrareo nizaka fa Yaveh dra nanandraesy paminany hon'ahy agny Babylona, 16Dra izao gny zakan'i Yaveh amigny pazaka izay mitoboky eo amigny seza fiandrianan'i Davida vo amin'ireo olo aby izay mitoboky ao amin'izay tana izay, reo rahalahindrareo izay bo sy niboaky ho babo nindray tamindrareo__17Izao gny zakan'i Yaveh tompon'ny maro: ''Ingo, handefa sabatra, mosary, vo arety eo amin'izy reo zaho. Fa ho ataoko manahaky gny aviavy lo izay tena rasy raha hohaniny izy reo.18Dra hagneziky anazy reo amigny sabatra, mosary, vo areti-mandringana zaho dra hanao anazy ho mahasiravina imason'ny fazakan'ny tany aby__horohoro, fitova fagnozogna vo mapisiosioky, dra raha mahamegnasy eo amigny firenena aby izay napielezako anazy. 19Izay dra satria s niteno gny zakako izy reo__ izay gny fagnambaran'i Yaveh__ izay nalefako anazy reo tamigny alalan'ireo paminany panopoko. Nandefa anazy reo ombieny zaho, nefa sy niteno andrareo__izay gny fagnambaran'i Yaveh.20Koa tenoy gny zakan'i Yaveh, handrareo sesitany aby izay nalefany avy agny Jerosalema ho agny Babylona: 21'Yaveh tompon'ny maro, Zagnaharindr'Israely, dra nizaka izao momba an'i Ahaba zanak'i Kolaia vo Zedekia zanak'i Mahaseia, izay maminany vandy amindrareo amigny agnarako: Ingo, hanoby anazy reo eo an-pelatagnan'i Nebokadnezera pazakan'i Babylona zaho. Hamono anazy reo eo amasondrareo izy.22Dra hisy ozona ho zakan'ireo babon'i Joda aby agny Babylola momba reo olo reo. Gny ozona dra hizaka ho: Ho ataon'i Yaveh manahaky an'i Zedekia vo Ahaba anie handrareo, izay nataon'ny pazakan'ny Babylona tamigny afo. 23Hiseho izay noho reo zava-mahamegnasy izay nataon'izy reo tagny Israely aby nizangazanga tamigny valin'ny agnarako, raha izay sy bo nadidiko anazy reo ho zaka mihisy. Fa izaho ilay mahalala; izaho gny vavolombelo__izay gny fagnambaran'i Yaveh.'''24'' Raha gny amin'i Semaia Nehelamita, dra izao zaka zao: 25' Iza gny zakan'i Yaveh topogny maro, Zagnaharin'Israely: Satria ianao nandefa taratasy tamy agnaranao avo tamy gny olo iaby tagny Jerosalema, tamin'i Zefania zanak'i Masaia pizoro, dra tamy pisoro iaby, dra nizaka ho:26''Yaveh nanao andrareo ho pisoro fa sy Joiada pisoro, ba hiandraikisy andrareo gny tragnon'i Yaveh. Ianao gny mifehy gny olo aby ze levo say vo manao gny vatan'ereo ho paminany. Tokony ho gadra vo fahe amy ravam-by izy ireo.27Koa amizao , nanao akory iandrareo gny sy nizaka fatrasy an'i Jeremia gny amin'i Anatato, ze manao gny vatany ho paminany manohisy andrareo/ 28Fa nagniraky ho anay tagny Babylona izy dra nizaka ho:' ho fotoagna ela zay. Magnoregna tragno dra mitoera ao amin'ireo, mambolea zariday dra hano gny tegnan'ireo.''''29Namaky itio taratasy itio i Zefania paminany teo asofin'i Jeremia paminany.30Dra avy tamin'i Jeremia gny zakan'i Yaveh,manao ho: 31''Mandefasa zaka amin'ireo sesitany aby dra zakao ho: 'Izao gny zakan'i Yaveh momba agn'i Semaia Nehelamita: Satria fa naminany tamindrareo i Semaia fa gny sy nandefa anazy zaho vatako, dra nitariky andrareo hino ireo gny vandy , 32noho zay dra izao gny zakan'i Yaveh: Indro , fa hagnafay an'i Semaia Nahalemita vo ireo taranany zaho. Sy hisy olo hizanognany eo amy oloko-zay gny fagnambaran'i Yaveh-fa nitory fikomiana hanohisy an'i Yaveh izy.''
Chapter 30

1Gny zaka ze avy tamin'i Jeremia laha tamin'i Yaveh dra manao ho:2''Izao gny zakan'i Yaveh, Zagnaharin'Israely:'Sorato agnatiny horogna-taratasy ho anao gny zaka iaby ze nambarako taminao tao amy voro-taratasy .3Fa indra, ho avy gny andro-zay gny fagnambaran'i Yaveh-ze hameregnako gny hanagnan'oloko, dra Isrely vo Joda. Izaho, Yaveh, gny nizaka anizay. Fa ho andesiko mihery agny amy tany ze nomeko gny razany izy ireo, dra ho fanagnan'ireo zay.''''4Izao gny zaka ze nambaran'i Yaveh mahakasiky an'Israely vo Joda:5''Fa izao gny zakan'i Yaveh: ''Nahare feo nangitikitiky gny horohoro izahay fa sy fiadana.6Magnontania dra hatio raha misy lelahy minday vohoky. Nanao akory gny mahita gny pamaraky iaby mametraky gny tagnany eo am-balahany manahaky gny ampela minday vohoky? Nanao akory gny mihafosy hatsatra avo koa gny tarehin'ereo? 7Loza! Fa ho lahibe zay andro zay, dra sy misy manahaky anizay. Ho fotoagny fahatahora ho agn'i Jokoba zay, saiky ho avosy amin'izay izy.8Fa amin'izay andro zay- izao gny fagnambaran'i Yaveh topogny maro-gny hanapahako gny zioga hiala amy vozondrareo, dra hanorotoroako gny rava vy andrareo, ka sy hagnandevo andrareo sasy gny vahiny. 9Fa hivavaky amin'i Yaveh Zagnahariny izy ireo dra hanopo an'i Davida pazakany, ze hataoko pazaka eo amin'ireo .10Dra ianao, ry6 Jakoba panopoko, ka matahosy-zay gny fagnamabaran'i Yaveh-dra ka matahosy, ry Israely. Fa indro, fa hinday anao hihery avy agny lavisy zaho,m dra gny taranakao agny amy tanigny fahababoa. Hihery i Jakoba dra hiada ; hilamy izy, dra sy hisy tahosy sasy.11Fa miaraky aminao zaho-zay gny fagnambaran'i Yaveh-ba hamozy anao. Dra ho taperiko tateraky gny amin'ireo firenena iaby ze napielezako anao. Fa sy hanapisy anao vatany zaho, na dra magnafay anao amy rariny aza zaho ka sy hamela anao ho afa-maiky.'12Fa izao gny zakan'i Yaveh:'Sy azo sitrany gny ferinao; voaloto gny ferinao. 13Sy misy hisolo vava anao ; sy misy fagnafosy ho agny ferinao ba hagnasitra anao.14Nagnaligno anao ireo olo-tianao iaby. Sy hitalia anao izy ireo, fa nandrasy anao tamy feriny fahavalo vo tamy famezany topo lozabe noho gny amin'ireo helokao vo ireo fahotanao sy tambo isay. 15Nanao akory ianao gny mitoka hazolava noho gny ferinao? Sy mety sitrany gny fahararianao. Noho gny amin'ireo helokao, ireo fahotanao sy tambo iasy, dra nataoko taminao igny raha igny.16Dra zay aby manorotoro anao dra ho torotoro, dra ze pifanandry aminao aby dra ho lasa-ko babo. Fa ireo ze manbabo anao dra ho baboy, dra horobaiko ze mandrobaky anao.17Fa hinday fagnasitrana aminao zaho;hagnasitra anao amy ferinao zaho; zay gny fagnambaran'i yaveh-ho ataoko zay satria izy ireo dra nitoka anao ho:Ry voaroky. sy ba misy miraharaha an'itio Ziona itio.'''18Izao gny zakan'i Yaveh:''Indro, hahery gny harenany lain'i Jaboba zaho dra hahory ireo tragnony. Dra hisy tana hiory eo amy faharava misavosavo, dra hihery eo amy toerany nisy anazy draiky gny fiarova fatrasy.19Dra hisy hira fiderana vo feo fifalia hiboaky laha tamin'ireo, fa hapitombo anazy ireo zaho fa sy hapihe ; homeko voninahisy izy ireo ba sy hietry.20Dra hanahaky gny teo aloha gny olon'ereo, dra gny fiangonan'ireo dra hiory eo anatrehako fa gny magnafay ireo iaby ze mapahory anazy ireo amin'izay zaho.21Hiboaky laha tao amin'ireo gny pitarik'ereo.Laha teo agnevon'ereo gny hipoirany fa gny apanifariko dra fa gny magnato anahy izy . Raha sy manao anizay zaho, dra iza gny mahavany hagneky anahy?- Izay gny fagnambaran'i Yaveh. 22Dra ho oloko iandrareo, dra Izaho ho Zagnaharindrareo.23Indro, gny tafiotran'i Yaveh, gny fahoriany, fa niboaky. Tafiotra mitohy zay. Hipalipalisy eo an-dohagny olo rasy fagnahy zay.24Sy hihery gny fahorian'i Yaveh ambara-pahavitany vo hagnataterahany gny fikasagny fo. Amy andro farany, dra ho takanao zay.''
Chapter 31

1" Tamin'izeho fotoa zeho--- zeho gny fagnambaran'i Yaveh--- ho Zagnaharin'gny fianakavian'gny Israely aby Zaho, vo ho vahoakiko ereo." 2Zeho gny zakan'i Yaveh: "Gny olo ze sy matin'gny mesa dra nahita sitraky tagny an'efisy; hiboaky Zaho so hagnome fisahara ho an'gny Israely." 3Niseho taminahy Yaveh tagny aloha dra nizaka ho: "Nitia aniha Zaho, ry Israely, tamin'gny fitiava maharisy mandrakizay. Dra nisariky aniha hagnato Anahy tamin'gny faneke mahatoky Zaho4Hananga anao draiky zaho ka hisanga ianao, ry Israely viriziny. Handray gny ampongatapakyb andrareo dra hiboaky amyv sizaky ampifalia. 5Hamboly tanim-boaloboky draiky eo amin'ireo tendrombohisin'i Samaria iandrareo; ireo pamboly dra hamboly dra hametraky gny vokasy amy tokony ampiasa anazy. 6Fa ho avy gny andro hagnambaran'ireo piamby eo amin'ireo tendrombohisin'i Efraima ho:'Misangana, andeha isika hiakasy agny Ziona agny amin'i Yaveh Zagnaharisika.'7Fa izao gny zakan'i Yaveh:''Mikoraky am-pifalia ho agn'i Jakoba! Mikoraky am-piravoravoa ho agn'ireo lahibeny vahoakin'ireo firenena! Ao ho ra gny fidera. Zakao ho:'Fa namozy gny vahoakiny Yaveh, gny sisa tavela tamy Israely.'8Indro, fa hinday anazy ireo laha tao tamin'ireo tany avarasy zaho. Hamory anazy ireo laha tamin'ireo farisy lavisy be gny tany zaho. Ho agnisan'ireo gny poaky vo gny malemy; hiaraky amin'ireo gny ampela vevoka vo ireo ze fa ho teraky. Hisy fiangana lahibe hihery eto.9Ho avy am-pitomagnia izy ireo; hitariky anazy ireo araky ze fangatahany zaho. Hampandehaniko agny amy rian-drano agny amy lala mahisy izy ireo. Sy ho tafitohy eo amin'izay izy ireo, fa ho ran'Israely zaho, dra ho lahimatoako i Efraima.''10'''Tenoy gny zakan'i Yaveh, ry firenena. Tatero manera gny faritany lavisy agny. Iandrareo firenena dra sy maisy hizaka ho:'Gny nagnaparitaky an'Israely dra namory anazy dra miamby anazy manahaky gny piamby agn'ondry mitandry gny agn'ondry.' 11Fa nandoa gny vilim-pagnavotan'i Jakoba Yaveh dra nagnavosy anazy tegny amy tana ze fatrasy loasy ho anazy.12Dra ho avy izy ireo ka hifaly eo an-tampon'i Ziona. Hamirasy noho gny fahatsaran'i Yaveh gny tavan'ereo , amy tandroky vo divay vaovao, amy menaky vo gny zanak'agn'ondry vo osy dra ireo agn'omby. Fa ho avy manahaky gny zariday voatondraky gny fiagnan'ireo, dra sy hahasapa alahelo sasy izy ireo.13Dra hifaly amy sizaky ireo viriziny, dra hiaraky amy pamaraky vo gny lelahy atisy.Fa ho avaliko ho fakalaza gny fandalan'ereo.Hiferegnahy anazy hoky zaho ka hampifaly anazy ireo fa sy ampalahelo. 14Dra hanototra be vatany gny fiagnan'ereo pizoro zaho. Hameno gny vatan'ireo amy fahasarako gny vahoaky-zay gny fagnambaran'i Yaveh.''15Izao gny zakan'i Yaveh:''Nisy feo re tagny Rama, fidradradradra vo fitomagnia fatrasy. Rahely mitomagny ireo zanany zay. Nanda sy ampionono gny amin'ireo izy,satria fa sy miaina sasy izy ireo.''16Izao gny zakan'i Yaveh:''Azanogny amy fitomagnia gny feonao vo gny ranomaso gny rasonao; satria misy valiny gny fijalianao-zay gny fagnambaran'i Yaveh-hery laha tagny amy taninigny fahavalo ireo zanakao.17Misy fanatena gny amy ho avinao-zay gny fagnambaran'ireo gny taranakao.''18Fa reko nalahelo vatany i Efraima ho:'Nagnasazy anahy ianao, dra fa nisaziny manahaky gny zanak'agn'ondry sy nizarany zaho. Andeso mihery zaho dra hi tafavery , fa ianao gny Yaveh Zagnahariko.19Fa tarany gny niharegnako taminao, dra nanegny zaho; tao farany nagnazara nao anahy, dra namelaky gny feko zako. Afa-baraka vo megnasy zaho, fa niteraky gny heloky gny fahatanorako.'20Moa sy menakigny aiko se i Efraima ? Moa se sy malalako izy, zanako tiako? Fa na ombia na ombia hiresahako anazy , dra bo hahasiaro am-pitiava anazy vatany zaho. Izay gny maparary gny foko anazy. Hangoraky anazy vatany zaho-zay gny fagnambaran'i Yaveh.''21Mametraha famatara-dala ho andrareo. Mametraha takela-by tari-dala ho agny vatandrareo. Saigno gny lala-mary, dra gny lala ze tokony handehananao. Miheregna, ry Israely viriziny! Miharegna agny amin'ireo tananao ireo.22Mandra-pahombia gny hihozongozo ianao, ry zanakapela sy manam-pinoa? Fa namoro raha-baovao ho agny tany Yaveh-dra ampela magnodidy lelahy matazaky.23Yaveh Topogny maro, gny Zagnaharin'Israely, dra mizaka ho:''Fa gny minday gny vahoaky mihery amy tanin'ereo zaho, dra hizaka anizay agny amy taninigny Joda vo ireo tann-dehibeny izy ireo ho:'hitahy anao anie Yaveh, ianao ry toera mary zay itoerany, ianao ry tendrombohisy masy.' 24Fa hiara-hipetraky agny i Joda vo ireo tananany iaby, manahaky ireo pamboly vo ireo mpiamby agn'ondry miaraky amin'ireo agn'ondry vo osy. 25Fa hagnome rano ho nomin'ereo ze matiny hetaheta zaho.''26Tafaran'izay dra nifoha zaho, dra nahasa fa nahavelombelo gny torimasoko.27''Indro, avy gny andro -zay gny fagnambaran'i Yaveh-zay hamafazako ireo ankohonan'Israely vo Joda bamin'ireo taranak'olombelo vo bibidia.28Taloha agny, dra narahiko maso izy ireo ba hagnombota anazy ireo vo hanimba anazy ireo, ba handrava, hamoteha, dra hagnasia rasy anasy ireo. Fa amy andro ho avy, dra hiamby anazy ireo zaho, ba hananga anazy ireo vo hamboly anazy ireo-zay gny fagnambaran'i Yaveh.29Amin'ireo andro dra sy hisy na iza na iza hizaka sasy ho: ''Nihinana voloboky marikivy ireo ray mandreny, kanefa gny nifin'ireo zaza gny nadilo.'30Fa gny olo kirairaiky dra ho maty gny hahoriany avo; gny olo-iaby zay mihina voloboky marikivy, dra hadilo gny nifiny.31Indro, avy gny andro-zay gny fagnambaran'i Yaveh-ze hagnoregnako faneke vaovao amy ankohanan'i Israely vo gny ankohonan'i Joda.32Sy hanahaky gny faneke ze naoriko tamin'ireo ran'ereo ba hamoaha anazy ireo tao amy tany Egypta. Ireo gny andro zay nandravan'ereo gny fanekeko, na dra valy tamin'ereo avo zaho-zay gny fagnambaran'i Yaveh.33Fa izao gny faneke ze haoriko miaraky amy ankohonagny Israely afaran'ireo andro ireo-zay gny fagnambaran'i Yaveh: Hametraky gny lalako ao agnatin'ireo zaho dra hanorasy anizay ao am-pon'ereo, fa ho Zagnahariny zaho, dra ho vahoakiko izy ireo.34Dra sy hampianasy gny mpiara-mony aminazy sasy gny lelahy kirairaiky, na hampianasy gny rahalahiny gny lelahy raiky ka hizaka ho:'Fatako Yaveh! Fa izy aby , manomboky amy masaiky indrandra amin'ereo ka hatramy lahibe indrindra, dra hahafatasy anahy-zay gny fagnambaran'i Yaveh-fa hamela gny helok'ereo zaho dra sy hahasiaro gny fahotan'ereo sasy.''35Izao gny zakan'i Yaveh- Yavehm gny mampibaliaky gny masoandro amy andro dra mandamy gny vola vo gny kita hamirasy amy hariva. Izy gny mampihesiky gny ranomasy ba hikopaky gny morony . Yaveh Topogny maro gny agnarany . Izao gny zakany:36''Raha ba mazavo eto amasoko ireo raha maharisy ireo -ze fagnambaran'i Yaveh-dra hizano mandrakizay sy ho firenena eo anatrehako gny taranak'Israely.''37Izao gny zakan'i Yaveh:''Raha ba azo refesy gny lagnisy abo indrindra, dra raha ba hits gny fagnambanigny tany, dra hagnary ireo taranak'Israely aby noho zay aby nataony -zay gny fagnambaran'i Yaveh.''38''Indro, ho avy gny andro-zay gny fagnambaran'i Yaveh-ze hagnamboara draiky gny tana ho anahy, manomboky ao amy Tilikambon'i Hananela ka hatragny amy fefy Amorony. 39Dra hiboaky hatra amy lavisy draiky gny tsipika fandrefesa, hatra amy havoan'i Gareba vo magnodidy an'i Goa. 40Gny lohasahan'ireo faty vo lavenoky manotolo, dra gny farisy gny tanimboly aby miboaky magnagny amy Lohasahan'i Kidrona ka vavahadi-sovala agny asignana, dra ho atoka ho agn'i Yaveh. Sy hombota gny tana na ho rava draiky , mandrakizay.''
Chapter 32

1Avy tamin'i Jeremia gny zaka laha tamin'i Yaveh tamy tao fahafolo nazakan'i Zedekia pazakan'i Joda, gny faha valo ambiny folo tao nazakan'i Nebokadnezara. 2Tamin'izay fotoa zay, dra nanao fahirano an'i Jerosalema gny tafiky gny pazakan'i Babylona, dra i Jeremia paminany dra nogadray tao amy kiaza gny fiambena tao an-tragno gny pazakan'i Joda.3Nigandran'i Zedekia pazakan'i Joda izy ka nizaka ho:''Nanao akory ianao gny maminany vo mizaka ho:''Yaveh nizaka ho: Indro, andeha homeko ho eo an-tagnany pazakan'i Babylona itio tana itio, dra ho baboy. 4Sy hilomay gny tanan'ereo Kaldeana i Zedekia pazakan'i Joda, dra azo anotoky fa home ho eo an-tagnany pazakan'i Babylona izy. Gny vavany dra hizaka amy vavagny pazaka, ireo masony hahita gny masogny pazaka. 5hangalaky an'i Zedekia ho agny Babylona izy, dra hizano agny izy ambara-piraharahako aminazy- zay gny fagnamabaran'i Yaveh. Na hialy hanohisy ireo Kaldeana avo iandrareo, dra sy hahomby iandrareo.''6Hoy Jeremia:''Avy taminahy gny zakan'i Yaveh, mizaka ho:7' Indro, Hanamela zanadahin'i Saloma rahalahin-dranao magnato anao dra mizaka:''Vilio ho agny vatanao gny tanimboliko agny Anatota, fa mana-zo hiviloy an'izay ianao.'''''8Dra, araky gny fagnambaran'i yaveh, Hanamela, zanadahy dadatoako nagnato anahy tao amy kiazagny fiambeba, araky gny nizakany taminahy ho:''Vilio gny tanimboliko zay agny Anatota ao amy tanin'i Benjamina, fa anao gny zo handoba anizay , dra gny zo hivily dra anao. Vilio ho agny vatanao zay. 'Dra fatako fa zakan'i Yaveh zay.9Dra niviliko gny tanimboly tao Anatota laha tamin'i Hanamela,m zanadahin'i Dadatoako, nilazako ho anazy gny volafisy, fito amby folo sekely gny lazany.10Dra nanorasy horignan-taratasy dra nagnisy tambo-kase zay zaho, dra nana vavolombelo nijoro vavolombelo gny amin'izay zaho. Dra nandazagny volafosy amy fandaza zaho . 11Dra nangalaky gny raharaham-barosy voatombo-kase zaho, magnaraky gny didy vo ireo lala, baminy raharaha sy voatombo-kase. 'v 12 Nagnome gny horognan-taratasy voatombo-kase agn'i Baroka zanadahin'i Neria zanadahin'i Mahaseia teo anoloan'i Hanamela zaho, zanadahin'i dadatoako ,vo ireo vavalombelo zay nanorasy gny horognan-taratasy voatombon-kasem, dra teo anolon'ireo Jiosy zay nipetraky tao an-kiazagny fiambena.13Dra nandidy an'i Baroka teo agnatrehan'izy reo zaho. Hoy zaho: 14''Yaveh tompon'ny maro, Zagnaharindr'Israely gny mizaka izao: ''Alao reo horo-taratasy reo, gny risian'ny varosy izay voatombo-kase vo gny dika mitovy sy voatombokase amigny raharahavarosy, dra apetraho agnaty siny tanimanga izay ba aharisy fotoa ela. 15Fa Yaveh tompon'ny maro, Zagnaharindr'Israely, mizaka ho: ''Ireo tragno, reo saha tani-voloboky dra bo hovily ndraiky eto amitiky tany tiky.''16Tafaran'ny nagnomezako an'i Baroka zanaky lahin'i Neria gny rosian'ny varosy, ^dra nivavaky tamin'i Yaveh zaho dra nizaka ho: 17''Loza, ry tompo Yaveh! Ingo! hanao raiky gny nanao gny lagnisy vo gny tany tamigny alalan'ny herinao lahibe vo gny sandrinao nisandratra. Sy misy raha izay zakanao dra sarosy taminao koa gny nanao anazy. 18Napiseho fagneke mahatoky tamigny arivony hanao dra namaly gny fahadisoan'ireo olo tamin'ireo zanany tafaran'izy reo. Hanao gny Zagnahary lahibe vo mahery; Yaveh tompon'ny maro gny agnaranao.19Lahibe amy fahendre Ianao dra mahery amin'ireo asa. Fa misokasy amy lalana gny vahoaky aby gny masonao, ba hagnome gny olo kirairaiky ze mendriky gny fitondra-tegnany vo gny asany.20Nanao famatara vo fahagaga maro tao amy tany Egypta Ianao. Amin'izao fotoa izao ao Israely dra eo amy olombelo aby , dra nampalaza gny agnaranano Ianao. 21Fa ninday gny Israely vahoakinao hiboaky gny tany Egypta Ianao miaraky amin'ireo famatara vo fahagaga, miaraky amy tagna-mahery, vo miaraky sandry misanga, dra miaraky amy fampitahora lahibe.22Dra nomenao anazy ireo itio tany itio-Izay niaignanao tamin'ireo -dra tany tondran-dronono vo tately.23Ka nilisy izy ireo dra nangalaky anizay ho fanagna. Fa sy niteno gny feonao izy ireo na niay tao agnatigny fakatoava gny lalanao. Sy nanao na ino na ino amin'izay nandidianao anazy ireo ho atao nereo, noho zay dra ninday loza teo amin'ereo Ianao.24Iho! Reo tovon-tany dra tafiakasy tegny amy tana hanambosy anizay. Fa noho gny sabasy, mosary, dra gny areti-mamono, dra natolosy ho eo an-tagnan'i Kaldeana zay mialy aminazy gny tana. Fa zay nizakananao hisy dra nisy , dra ingo, magnety ianao. 25Dra hoy ianao taminahy:''Mivilia tanimboly ho agny vatanao amy volofosy dra mana vavolombelo hitsanga vavolombelo gny amin'izay , na dra handeha home ho eo an-tagnan'ereo Kaldeana avo itio tana itio.26Avy tamin'i Jeremia gny zakan'i Yaveh, manao ho:27''Ingo, Zaho gny Yaveh, Zagnaharinigny olombelo iaby. Misy raha-sarosy sy aiko atao se? 28Dra izao gny zakan'i Yaveh ho:''Ingo, handeha hagnome an'itio tana itio ho eo am-pelatagnan'ereo Kaldeana vo Nebokadnezara, pazakan'i Babylona zaho. Hambabo anizay izy.29Reo Kaldeana ze mialy amin'itio tana itio dra ho avy handrehisy afo amin'itio tana itio vo hagnoro anizay. Bamin'ireo tragno eo amy tafo ze hivavahan'ireo vahoaky tamin'i Bala dra nandrarahany fagnatisy ho nomy ho an'ireo zagnaharin-kafa ba iasiana anahy. 30Fa gny vahoakin'Israely vo gny Joda dra vahoaky zay nanao rasy teo amasoko vatany hatramy fahatanorany. Fa nanafitohy anahy tamy alalany fanaon'ireo tagnagny vatany gny vahoakin'Israely-zay gny fagnambaran'i Yaveh.31Nagnambaran'i Yaveh fa itio tana itio hatramy andro nagnoregnan'ireo anazay dra fihasia gny fahoriany vo gny fahavignirany. Dra zay avo izy mandraky amizao. Noho zay dra hoalako sy ho eo anoloa gny tarehiko zay 32noho ireo harasiany vahoakin'Israely vo Joda, ireo raha nataon'ireo hiasia anahy-izy ireo, pazakany, andriany, pisorony, paminaniny, vo ireo olo aby ao Joda dra gny ponin'i Jerosalema.33Magnome lamosy anahy izy ireo fa sy ba gny tarehiny , na dra nampianasy anazy ireo tami-sitram-po avo zaho. Niezaky nampianasy anazy ireo zaho , fa sy nisy na raiky amin'ireo ka niteno ba handray fagnisia. 34Nametraky ireo sampy mandanginy tao an-tragnoko zay nitokavy tamy agnarako izy ireo, ba handoto anizay.35Nagnory toera agn'abo an'i Bala izy ireo ba hagnoroa ireo zanadahiny vo zanakapelany ho agn'i Molesa. Sy nandidy anazy ireo zaho. Sy tao asaiko mihisy ho hanao zay raha mampagnelakelaky zay izy ireo dra nampanota an'i Joda.36Amizao , Zaho , Yaveh, Zagnaharin'Israely, gny mizaka anizao mahakasiky itio tana itio, tana ze zakandrareo ho:'Nome ho eo an-tagnany pazakan'i Babylona zay tana zay amy alalany sabasy , mosary dra areti-mamono. 37Ingo , hamoryanazy ireo agny amy tany aby ze nandroahako anazy ireo tagnatiny hahoriako,dra hahoria lahibe zaho. Handeha hampihery anazy ireo amin'izay toera izay zaho dra ahafahan'ireo miay am-pilamina.38Dra ho oloko izy ireo, dra Zaho ho Zagnahariny 39Hagnome fo raiky vo lala raiky ba hagnomezam-boninahisy anahy isan'andro ho anazy ireo zaho ka ho soa ho anazy ireo vo gny taranany agny afara zay.40Dra hanao faneke mandrakizay miaraky amin'ereo zaho, zay sy hagnazanognako gny voninahisy zay anahy ao am-pon'ireo zaho, ba sy hivalyky aminahy mandrakizay izy ireo.41Dra hifaly amy fagnasoavako anazy ireo zaho. Hampitoesy anazy ireo ao amin'itio tany itio am-pahatokia zaho amy foko manotolo vo gny aiko iaby. 42Fa Yaveh mizaka anizao:''Manahaky gny nandesako anizao loza aby zao eo amy tahoky vahoaky tahoky, dra manahaky anizay koa gny hindesako gny raha-soa iaby amin'ereo ze nizakako fa ho ataoko amin'ereo.43Dra hisy tanimboly hovily amin'itio tany itio, zay zakandrareo ho:''Tany simba itio, zay sy misy na olo na biby . Fa nome teo an-tagnan'ireo Kaldeana itio.''44Hivily tanimboly amy volafosy izy ireo dra hanorasy amy horognan-taratasy voatombo-kase . Hamory vavolombel ao amy tanan'i Benjamina izy ireo, gny magnodidy an'i Jerosalema iaby vo ireo tanan'i Joda , agny amin'ireo tana agny amy tany havoa vo ireo tany lemaky amorony, dra ao an-tagnan'i Negeve. Fa hagnery ireo harenany zaho-Zay gny fagnambaran'i Yaveh.'''
Chapter 33

1Dra avy fagnindrony tamin'i Jeremia gny zakan'i Yaveh, no bo vaohily teo amin'gny kianzan'gny piamby izy, manao ho: 2"Yaveh gny Pahary, mizaka zeho--- Yaveh, ze mandamy syo hapitoesy--- Yaveh gny agnarany. 3'Tokavo Zaho, dra ho valiako Hanao. Hapiseho raha lahibe aminiha Zaho, raha mivony ze sy takasiniha.'4Fa Yaveh, Zagnahariny gny Israely, mizaka anizao mahakasiky gny tragno eto amin'itio tana itio vo gny tragno pazaka gny Joda zay niravany noho gny fahirano vo gny sabasy, 5' Avy ireo Kaldeana hialy dra hameno ireo tragno amin'ireo fatin'olo zay hovonoko amy fahoria, fa gny magnavony gny tarehiko amin'itio tana itio zaho noho gny faharasian'ireo aby.6Nefa ingo, hinday fagnasitrana vo fanafany zaho, fa hagnasitra anazy ireo zaho dra hinday be, fiadana , dra faneke mahatoky.7Fa hagnery gny haren'i Joda vo Israely zaho; hagnory anazy ireo manahaky gny tany am-piandohana zaho. 8Dra hagnalio anazy taminahy zaho. Hamela gny helony aby zay nataony taminahy zaho, dra gny lalana aby zay nikomiany hanohisy anahy.9Fa itio tana itio dra ho avy raha mahafaly anahy, hira fidera vo voninahisy ho agny firenena aby eto amy tany zay haheno gny raha soa aby zay ho ataoko ho an'izay. Dra hatahosy vo hangitikitiky izy ireo noho gny raha soa aby vo fiadana zay homeko anizay.'10Izao gny zakan'i Yaveh , 'andeso amin'itio toera itio zay zakanao amizao ho:''Lao zay, toera zay sy misy na olo na biby,''egny amin'ireo tanan'i Joda, dra eo amin'ireo lalan'i Jerosalema zay lao sy misy olo na biby , dra ho re draiky 11gny feony fifalia vo gny feony firavoravoa, gny feony papakasy vo gny feony hakary, gny feon'ireo zay mizaka, fa gny minday fanatisy fisaora ao an-tragnon'i Yaveh,''Misaora an'i Yaveh Topogny maro, fa soa i Yaveh, dra gny fitiavany sy mety levo haharisy mandrakizay!''Fa Zaho hagnery gny hanagnany tany manahaky gny teo aloha,'hoy Yaveh12Izao gny zakan'i Yaveh Topogny maro ho:''Andeso amin'itio toera lao itio, zay sy misy na olo na biby amizao-dra hisy ahitisy zay afaky hampisaharan'ireo piamby agn'ondry gny agn'ondry vo osiny draiky eo amy tananany aby. 13Eo amin'ireo tanan-dehibe eo amy tany hovoa, ireo tany lemaky , dra gny Negeva, eo amy tanin'i Benjamina aby, dra agny amin'ireo tananan'i Joda, ireo agn'ondry vo osy dra handalo draiky ro ambaniny tanan'ireo zay hagnisa anazy ireo,'hoy Yaveh.14' Ingo! Avy gny andro-izao gny fagnambaran'i Yaveh-zay hanovako zay nampanatenaiko tamy ankohonan'Israely vo gny ankohonan'i Jda. 15Amin'izay andro vo fotoa zay dra hampisiry rasa mary ho agn'i Davida zaho, dra hagnatateraky gny rariny vo fahamarigna eo amy tany izy. 16Amin'izay andro zay dra ho voze i Joda , dra zay gny hiatokava anazy, '''Yaveh gny fahamarignasika.''17Fa izao gny nizakan'i Yaveh:'Gny olo avy amy taranak'i Davida dra sy ho ory zanadahainy na ombia na ombia hipetraky eo amy seza fiandriana ankohonagny Israely,'18na olo avy amy Levita pisoro dra sy ho sy ampy eo anatrehako ba hananga fagnatisy oroa, hagnoro fagnatisy hohany, dra hagnatateraky fagnatisy vary amy fotoa aby.'''19Avy tamin'i Jeremia gny zakan'i Yaveh , manao ho:20''Izao gny zakan'i Yaveh:'Raha mahavita manimba gny faneke mahatokiko andro vo hariva ianao ka sy hisy sasy andro na hariva amy fotoa iombonan'ireo, 21dra hahavita mandrava gny faneke mahatokiko tamin'i Davida panompoko ianao, ka dra sy hana zanadahy hipetraky eo amy seza fiandrianany sasy izy, dra gny fanekeko mahatoky tamin'ireo Levita pisoro, panopoko.22Manahaky ireo miaramila gny lagnisy sy tambo isafy, vo fasiky agny amoron-dranomasy sy azo refesy , gny hampitomboakao gny taranak'i Davida panopoko dra ireo Levita zay nanompo teo anoloako.23Avy tamin'i Jeremia gny zakan'i Yaveh, manao ho:24Sy nidinihinao se zay nambaran'io vahoaky io fa gny nizaka izy ireo:'Reo fianakavia ro zay nifilin'i Yaveh ireo amizao dra nandagnany izy io?' Amin'izay gny anovan'ireo fa sinosino gny oloko, zakan'ereo fa sy firenena eo amasony sasy izy ireo.25Zaho, Yaveh, gny mizaka anizao, 'Raha sy magnory gny faneke mahatoky amy andro vo amy hariva zaho, dra raha sy nametraky lalana ho agny lagnisy vo gny tany,26dra nanda gny taranak'i Jakoba vo Davida panopoko, dra sy ninday ho anazy ireo olo hanapaky manera gny taranak'i Abrahama, Isaka, dra Jakoba. Fa hagnery ireo hareny dra haneho famindram-po amin'ireo zaho.'''
Chapter 34

1Gny zaka ze avy tamin'ny jeremia avy aminy Yaveh nanangan'aly taminy jerosalema sy gny tanany aby i Nebokadnezara mpazakan'i Babylone sy gny tafiny aby, niaraky tamin'ereo fazakan'ny tany aby, ereo firenena agnabo fahefa sy gny vahoaky nereo aby nanao ho: 2'Yaveh, zagnahary ny Israely, dra mizaka zao : Mandehana dra mizaka amin'i Zedekia mpazakan'i Joda dra zakao aminy: ''Yaveh dra mizaka izao: indro, hagnome anity tana tihoky ho eo ampelatagnany Babylony zaho. ho roa ze. 3 Sy ho afaky eo antagnany eo, satria ho voasambosy tokoa hanao dra hatolosy eo atagnany Hijery gny masony mpazakan'i Babylony gny masonao; hizaka mivata aminao izy raha mandeha aBabylony hanao.'4Tenoy gny zakany Yaveh, dra Zedekia mpazakan'i joda! Yaveh dra mizaka amizao mahakasiky anao:' sy ho maty aminy sambasy hanao. 5Ho maty am-piadagny hanao. Manahaky gny fagnoroa tamy fandevegna an'ereo razambeny, ereo mpazaka talohanao, dra horoa izy ereo gny vatanao. Hizaka izy ereo ho:'' Loza, ry tompoko!'' handala anao izy. amizao fa nizaka zaho-izao gny fitaliliany Yaveh.''6Dra zinakan'i jeremia mpaminany tamy i Zedekia mpazakan'i joda tagny jeosalema ereo aby. 7Nialy tamin'i jerosalema sy ereo tana sisan'i joda gny tafiky gny mpazakan'i joda ereo dra nitoboky ho tana mimanda.8Gny zaka zay avy tamin'i Jeremia laha tamin'i Yaveh taafarany nanovan'i Zedekia pazaka faneke tamy olo aby tao Jerosalema tamy olo aby tao Jeresalema, ba hagnambara fahafaha amin'ireo 9fa gny olo kirairaiky dra sy maisy magnafaky ireo andevony Hebreo, na lahy na ampela, ba sy hisy hanandevo gny Jiosy , zay rahalahiny.10Noho izay reo pitariky aby vo gny olo dre nilisy tamigny fagneke fa gny olo kiraikiraiky avy dra hagnafaky gny andevony lahy vo gny andevony vavy ba sy ho handevoina sasy izy reo. Nakato izy reo dra nagnafaky anazy reo. 11Fa taorian'itiky dra niova gny eriserin'izy reo. Naherin'izy reo gny andevo izay nahafahan'izy reo. Niteren'izy reo ho lasa andevo ndraiky izy reo.12Dra avy tamin'i Jeremia gny zakan'i Yaveh, nanao ho: 13''Yaveh, Zagnaharindr'Israely, dra mizaka izao: 'Izaho dra nanao fagneke tamin'ireo razambendrareo tamigny andro izay nandesako anazy reo hiboaky gny tany Egypta, hiboaky gny tragnon'ny fagnandevoza. Izay dra tamin'izao nizaka ho: 14''Isakin'ny faran'ny fito tao gny olo kiraikiraiky, dra si maisy mandefa gny rahalahiny, gny Hebreo namany izay namarosy gny tegnany taminao vo nanopo anao nandrisy gny ani-tao. Angao andeha an-kalalahana izy.''fa reo razambendrareo dra sy niteno anahy na nanongila-sofy taminahy.15Akehitriny handrareo dra nanomboky nanao izay marina teo amasoko. Nizaka fahafahana handrareo, ry olo kiraikiraiky avy tamigny piara-belo taminazy, dra nano fagneke teo anoloako tao amigny tragno izay tokavy amigny agnarako handrareo. 16Fa avy eo handrareo nivaliky dra nandoto gny agnarako; nataondrareo izay hagneregnan'ny olo kiraikiraiky gny andevony lahy vo vavy, reo izay nalefadrareo agny amin'izay nirian'izy reo. Niterendrareo ho lasa andevondrareo ndraiky izy reo.''17Noho izay Yaveh dra mizaka anizao : 'Handrareo vatandrareo dra sy niteno anahy. Tokony ho nizaka fahafaha tamin'ireo rahalahindrareo vo reo Israelita namandrareo handrareo, gny sirairay aby amindrareo. Ko ingo! Hitalily fahafaha amindrareo zaho__izay gny talilin'i Yaveh__fahafaha amigny sabasy, gny areti-mandringa, vo gny mosary, akory hahavy andrareo ho raha mapasiaky eo amasonigny fazakan'aby ato atany zaho. 18Boak'eo dra hifapiraharaha amigny olo ze nandrava gny fagnekeko zaho, zee sy nitandry reo zakanigny fagnekena ze napetrany teo anoloako gny fa nizara agnombilahy ho ro ereo dra nandeha teo agnelagnelan'izay, 19dra boak'eo reo pitarikin'i Joda vo Jerosalema, reo tandapa vo pisoro, dra gny olona aby tao amigny tany dra nandeha teo agnelagnelanigny agnombilahy fa voatetiky.20Hatolosy eo atagnan'ireo fahavalony ereo vo ho eo atagnan'ireo ze mofofo gny ain'ereo. Ho sakafo ho anigny voronigny habakabaky vo reo bibidianigny tany gny vatan'ereo. 21Noho izay dra hatolosy eo atagnan'ireo fahavalony vo eo atagnan'ireo ze nikasaky gny ain'ereo, vo eo atagnanigny tafikigny pazakan'i Babylona ze nisanga hanohisy andrareo i Zedekia pazakan'i Joda vo reo pitariny. 22Ingo, handefa baiky zaho__Izay gny talilin'i Yaveh__dra hagnery anereo amity tana tihoky ba hanangana anereo aly hanohisy anizay vo hangalaky anizay, dra hagnoro anizay. Fa izaho dra hamadiky reo tanan'i Joda ho toera rava ze sy hisy ponina."
Chapter 35

1Avy tamin'i Jeremia gny zakan'i Yaveh tamigny andron'i Joiakima zanadin'i Josia pazakan'i Joda, nanao anizahoky ho: 2"Mandehana agny amigny fianakavian'ireo Rekabita dra mizaka amin'ereo. Boak'eo andeso atiky amigny tragnoko ereo, ao amigny raiky amireo efisy ao, dra ameo divay honomy ereo."3Ko nalako Jazania zanadahin'i Jeremia zanadahin'i Habasinia vo reo rahalahiny, gny zanadahiny aby, dra gny fianakavian'ireo Rekabita. 4Nandesiko tao amigny tragnon'i Yaveh ereo, tao amigny efis'ireo zanadahin'i Hanana zanadahin'i Jigdalia, gny lelahin'Agnahary. Reo efisy reo dra teo agnilanigny afis'ireo pitariky, ze ambinigny efis'i Mahaseia zanadahin'i Saloma, gny piamby vavahady.5Dra napetrako teo anoloan'ireo Rekabita reo siny vo kapoaky dra nizaka tamin'ereo ho: "Minoma divay." 6Fe hoy ereo ho: "Sy hino divay izahay, akory gny razambenay, i Jonadaba zanadahin'i Rekaba, gny nandidy anay ho: "Ka mino divay mandrakizay, na handrareo na gny taranandrareo. 7Ka mananga tragno, mamafy voa, na mamboly tanim-boaloboky avo koa; sy hoandrareo izay. Fa handrareo dra sy maisy hipetraky agnaty lay mandrisy gny androndrareo aby, ba hipetrahandrareo ela eo amigny tany ze itobohandrareo manahaky gny vahiny.'8Fa nakato gny zakan'i Jonadaba zanadahin'i Rekaba, razambenay izahay, tamizay aby nandidiany anay, ba sy hino divay mandrisy gny andro-piegnanay manotolo, izahay, reo valiny, reo zanadahiny, dra reo zanakapelany. 9Sy hananga tragno hipetraha mihisy zahay, dra sy hisy tanim-boloboky, saka, na voa ho fanagnanay. 10Fa niay tagnaty lay izahay dra fa nakato vo nahavita ze nandidian'i Jonabada razambenay aby. 11Fe gny fa nanafiky gny tany i Nebokadnezara pazakan'i Babylona, dra hoy izahay ho: 'Avia, sy maisy ho agny Jerosalema isika ba hienga reo tafiky gny kaldeana vo Syriana.' Ko nipetraky tao Jerosalema izahay."12Boak'eo dra avy tamin'i Jeremia gny zakan'i Yaveh, manao anizahojy ho: 13"Yaveh toponigny maro, Zagnaharin'Israely, dra mizaka anizao: 'Mandehana dra zakao reo lelahin'i Joda vo reo ponin'i Jerosalema ho: "Sy hitakasy fagnisia vo hiteno reo zakako ra handrareo? __izay gny talilin'i Yaveh. 14Reo zakan'i Josadaba zanadahin'i Rekaba ze nameny gny zanadahiny ho didy, sy hino divay, dra hita hatramin'izao andro zao. Nakato gny didinigny razambeny ereo. Fa raha gny aminahy, izaho vatako dra fa nanao fagnambara mandrakariva tamindrareo, fe sy miteno anahy handrareo.15Nariako reo panopoko aby, reo paminany tamindrareo zaho. Etisy zaho tamigny fandefasa anereo hizaka ho: 'Aoky gny olo sirairay hiala amigny fomba rasiny dra hanao gny asa soa; aoky sy hisy hagnaraky zagnahary hafa dra hanopo anereo sasy. Fa miheregna koa agny amigny tany ze nameko andrareo vo gny razambendrareo.' Na izay aza bo sy hiteno anahy na hifatoky aminahy handrareo. 16Nefa reo taranak'i Jonadaba zanadahin'i Rekaba dra fa nitandry reo didin'ireo razamben'ereo ze nameny anereo, saiky manda gny hiteno anahy reo vahoaky reo.'"17Ko nizaka anizao i Yaveh, Zagnahary toponigny maro vo Zagnaharin'Israely ho: 'Ingo, andesiko eo amin'i Joda vo gny olon'aby miay ao Jerosalema reo loza aby nitognoniko akory nizaka tamin'ereo zaho, saiky sy niteno ereo; nitoka anereo zaho,fe sy namaly ereo.'"18Hoy Jeremia tamigny taranak'ireo Rekabita ho: "Yaveh toponigny maro, Zagnaharin'Israely, dra mizaka anizao: Niteno reo didin'i Jonadaba razambendrareo handrareo dra nitandry anazy aby__nakato ze nandidiany hataondrareo handrareo aby__ 19dra Yaveh toponigny maro, Zagnaharin'Israely, dra mizaka anizao: 'Sy maisy hisy olo boak'amigny taranak'i Jonadaba zanadahin'i Rekaba hanopo anahy mandrakariva.'"
Chapter 36

1Dra tamigny tao fahaefasy nazakan'i Joiakima zanadahin'i Josia pazakan'i Joda, gny nahavian'izao zaka aby tamin'i Yaveh zao tamin'i Jeremia, dra hoy Izy: 2"Mangala horogna-taratasy raiky ho anao dra sorato ao amizay gny zaka aby ze fa nizakako aminao mahakasiky an'Israely vo ry Joda, dra gny firenena by. Atovy izay ho anigny raha-aby fa nizakako nanomboky tamigny andron'i Josia dra hatramin'ity andro tihoky. 3Vasa hiteno gny loza aby ze kasako handesin'eo amin'ereo gny ponin'i Joda. Vasa hivio amigny lalan-drasy avo gny olona aby, dra afaky hagnenga gny helony vo gny fahotan'ereo zaho."4Dra nitoka an'i Baroka zanadahin'i Neria I Jeremia, dra nisoratin'i Baroka tao agnaty horogna-taratasy gny zaka aby ze nizakan'i Yaveh tamin'i Jeremia. 5Boak'eo dra nagnome baiko an'i Baroka i Jeremia. Hoy izy: "Ato atragnomezy zaho dra sy afaky magnagny atragnon'Agnahary. 6Ko sy maisy mandeha hanao dra hamaky gny zaka ze nitognoniko dra nisoratiko tao agnaty horogna-taratasy. Amigny andronigny fifalia-kany, dra sy maisy vakinao eo asofinigny vahoaky ao atragnony gny zakan'i Yaveh, dra eo asofinigny Joda aby ze avy amigny tanany avo koa. Zakao anereo zaka reo.7Angamba ho avy eo agnatrehan'i Yaveh avo gny fitalahoan'ereo famindra-po. Vasa hiala amigny lalan-drasiny avo gny olo sirairay, akory fatrasy gny fahaoria vo gny fahasiaha ze fa zinakan'i Yaveh tamireo vahoakiny reo." Ko dra nataon'i Baroka zanadahin'i Neria ze nandidian'i Jeremia paminany hatao aby. Nivakiny fatrasy tao atragnon'i Yaveh reo zakan'i Yaveh.9Dra tamigny volana fahasivinigny tao fahadimy nazakan'i Joiakima zanadahin'i Josia, pazakan'i Joda, gny nizakanigny vahoaky aby tao Jerosalema vo reo olo ze avy boak'ao Jerosalema boak'agny amireo tanan'i Joda gny fifalia-kany ho voninahis'i Joda gny fifalia-kany ho voninahis'i Yaveh. 10Nivakin'i Baroka fatrasy tao atragnon'i Yaveh gny zakan'i Jeremia, boak'eo amigny efitragnon'i Gemaria zanadahin'i Safana panora-dalana, tao agnabonigny kiaza, agnilanigny vavahady fidira gny tragnon'i Yaveh. Nataony teo asofinigny vahoaky aby zay.11Dra ren'i Mikaia zanadahin'i Gemaria zanadahin'i Safana gny zakan'i Yaveh aby tao amigny pazaka izy, tao amigny efisinigny pita-sorasy. 12Nizoso tagny atragnonigny pazaka izy, tao amigny efisinigny pita-sorasy. Ireo, fa nitoby teo avokoa gny mana-pahefana aby: Elisama pita-sorasy, Delaia zanadahin'i Semaia, Elnatana zanadahin'i Akbora, Gemaria zanadahin'i Safana, vo Zedekia zanadahin'i Hanania, dra gny mana-pahefana aby.13Dra nitaterin'i Mikaia tamin'ereo gny zaka aby ze reny ze nivakin'i Baroka fatrasy teo asofinigny vahoaky. 14Dra nalefan'ireo mana-pahefana aby ho agny amigny Baroka i Jehody zanadahin'i Netanaia zanadahin'i Selemia zanadahin'i Kosa. Hoy i Jehody tamin'i Baroka ho: "Takaro eo atagnanao gny horogna-taratasy, dra gny horogna-taratasy ze nivakiny teo asofinigny vahoaky, dra avia." Dra Baroka zanadahin'i Neria nitakasy gny horogna-taratasy tegny atanany dra nandeha tagny amireo mana-pahefa. 15Dra hoy ereo taminazy: "Mipetraha dra vakio eto asofiko tihoky." Dra nivakin'i Baroka gny horogna-taratasy.16Dra gny fa nahare reo zaka aby reo ereo, dra nifagnety matahosy taminize teo agnilany gny olo sirairay dra nanao tamin'i Baroka ho: "Sy maisy taterisika amigny pazaka vatany reo zaka aby reo." 17Boak'eo dra nagnotanian'ereo i Baroka ho: "Zakao anay, tamigny fomba ino gny nanoratanao anireo zaka ze nizakan'i Jeremia aby reo? 18Baroka nanao tamin'ereo ho: "Nitognoniny taminahy reo zaka aby reo, dra nisoratiko tamigny ranomety teo amigny horogna-taratasy." 19Dra hoy reo mana-pahefa tamin'i Baroka: "Mandehana, mivonia hanao, dra i Jeremia koa. Aoky sy hisy olo hahafatasy gny misy andrareo."20Ko dra natobin'ereo tao amigny afis'i Eliasama pita-sorasy gny horogna-taratasy, dra nandeha tagny amigny pazaka teo akiaza ereo, dra nitaterin'ereo teo asofinigny pazaka gny raha aby. 21Dra nirahinigny pazaka hangalaky gny horogna-taratasy i Jehody. Nalan'i Jehody tao amigny efis'i Eliasama pita-sorasy zay. Boak'eo dra nivakiny teo asofinigny pazaka vo reo mana-pahefana aby ze nisanga teo agnilany izay. 22Nitoby tao amigny tragnon-dririny gny pazaka tamigny volana faha sivy, dra nisy fatana nirehisy teo anoloany.23Dra gny fa namaky sangana telo na efasy i Jehody, dra nitapahinigny pazaka tamigny asy zay dra nariany tao agnaty afo tao apatagnafo mandra-pahalevonigny horogna-taratasy aby. 24Nefa sy napatahosy na gny pazaka na reo panopony ze nahare reo zaka aby reo, na nagnary gny akazony ereo.25Nandrara gny pazaka ba sy hagnoro gny horogna-taratasy i Elnatana, Delaia, dra Gemaria, fa sy niteno anereo izy. 26Dra gny pazaka nandidy an'i Jeremela havany, Seraia zanadahin'i Abdala ba hanambosy an'i Baroka panora-dalana, vo i Jeremia paminany, nefa navonin'i Yaveh ereo.27Dra avy tamin'i Jeremia gny zakan'i Yaveh tafaranigny nagnoroanigny pazaka gny horogna-taratasy vo reo zaka ze nisoratin'i Baroka tamigny fanognonan'i Jeremia, manao anizahoky ho: 28"Miheregna, mangala, horogna-taratasy raiky hafa ho anao, dra sorato ao amin'izay gny zaka aby ze tao amigny horogna-taratasy voalohany, dra gny fa noroan'i Joiakima pazakan'i Joda. 29Dra sy maisy zakanao amin'i Joiakima pazakan'i Joda zao: "Noroanao ty taratasy tihoky, ze mizaka ho: 'Nagnino hanao gny nanorasy teo amizay, 'Ho avy vatany gny pazakan'i Babylona dra handrava ty tana tihoky, fa haringa na gny olo na gny biby ao amizay'?""'30Noho izay dra izao gny zakan'i Yaveh gny mahakasiky anao, ry Joiakima pazakan'i Joda: "Sy hisy sasy amireo taranakao hitoby eo amigny seza fiandrianan'i Davida. Raha gny aminao, gny fatinao dra haria egny amigny hain'andro vo egny amigny fangalanigny hariva. 31Fa ho fezoko hanao, gny taranakao, dra reo panoponao nohonigny halondrareo aby. Handesiko eo aminao, eo amigny ponin'i Jerosalema aby, dra eo amigny olon'i Joda aby gny loza aby ze fa nandrahonako andrareo, nefa sy nitandremandrareo akory."32Dra nangalaky horogna-taratasy hafa i Jeremia dra nameny an'i Baroka zanadahin'i Neria panora-dalana izay. Nisoratin'i Baroka tamin'izay gny zaka aby ze tao amigny horogna-taratasy noroan'i Joiakima pazakan'i Joda tamigny fanognonan'i Jeremia. Dra bo napiana zaka maro hafa mitovitovy tamin'ity horogna-taratasy tihoky.
Chapter 37

1Dra i Zedekia zanaky lahin'i Josia dra nazaka tamin'ny toeran'i Jekonia zanak'i Joiakima. Nebokadnezara pazakan'i Babylona gny nanao an'i Zedekia ho pazaka teo amigny tanin'i Joda. 2Fa i Zedekia, reo panopony, vo gny vahiakin'ny tagny dra sy niteno reo zakan'i Yaveh izay nambarany tamigny alalan'ny tagnan'i Jeremia paminany.3Dra Zedekia pazaka. Jehokala zanak'i Selemia, dra Zefania zanak'i Mahaseia pisoro dra nandefa hafasy ho an'i Jeremia paminany. Hoy izy reo: ''Mivavaha amin'i Yaveh Zagnaharisika ho asika.'' 4Dra avy i Jeremia dra nagneo amigny vahoaky, satria bo avy tagny Egypta gny tafik'i Farao, dra gny Kaldeana izay nanao fahirano an'i Jerosalema dra nahare gny vaovao momba anazy reo dra niala tao Jerosalema.6Dra avy tamin'i Jeremia paminany gny zakan'i Yaveh, manao ho: 7''Yaveh Zagnaharindr'Isrealy, mizaka izao: Izao gny ho zakandrareo amigny pazakan'i Joda, satria nandefa andrareo hangalaky hevisy aminahy izy, Ingo, fa an-dala hihery ho agny Egypta, izay taniny gny tafik'i Farao, izay avy hagnapy anao. 8Dra hihery gny Kaldeana. Hialy hanohisy itiky tana tiky izy reo, hanambosy, vo hagnoro izay.9Hoy Yaveh ho: Ka mamitaky gny tegnandrareo amigny filazana ho: ''Fa nagnenga anay tokoa reo Kaldeana, fa sy hagnenga izy reo. 10Na dre fa naharesy reo tafiky gny Kaldeana manotolo izay nialy tamindrareo aza handrareo ba ho ireo lelahiny marasy avo gny hanga ao amin'ireo lainy, fa hiary izy reo dra hagnoro itiky tana tiky.11Dra tamigny nagnangan'ny tafikin'ny Kaldeana an'i Jerosalema gny nahatongavan'ny tafik'i Farao, 'v 12Dra niboaky tao Jerosalema i Jeremia ba ho agny amigny tanin'i Benjamina. Fa nikasa gny hangalaky gny apahany amigny tany teo amigny vahoakiny tao izy. 13Gny teo amigny vavahadin'i Benjamina izy, dra teo gny lahiben'ny piamby. Jiria zanak'i Selemia zanak'i Hanania gny agnarany. Nihazona an'i Jeremia paminany izy dra nanao ho: ''Mandososy reo Kaldeana hanao.''14Nefa hoy Jeremia: ''Sy marina izay sy mandososy reo Kaldeana zaho.'' Fa sy niteno anazy i Jiria, Nalany i Jeremia dra nandesiny teo amin'ireo mana-pahefana. 15Tezitra tamin'i Jeremia reo mana-pahefana. Novelesin'izy reo izy dra napidiriny tao atragnomezy, izay tragnon'i Jonatana panora-dalana, satria navalik'izy reo ho tragnomezy izay.16Dra natao tao amignefisy ambanin'ny tagny i Jeremia, izay nizanognany andro maromaro. 17Dra nandefa olo hinday anazy ao an-dapa o Zedekia pazaka. Nagnotany anazy mangingina gny pazaka tao atragnony ho: ''Misy teny avy amin'i Yaveh se?'' Namaly i Jeremia ho: ''Misy teny: ho atolosy eo atagnany pazakan'ny Babylona hanao.''18Dra hoy i Jeremia tamin'i Zedekia pazaka: ''Manaoakory gny nanotako, reo panoponao, na itiky vahoaky itiky dra nametrahanao anahy tagny atragnomezy? 19Eza reo paminanindrareo, reo izay naminany ho anao vo nizaka fa sy ho avy hanohisy anao na itiky tagny tiky gny pazakan'i Babylona? 20Fa akehitriny mitenoa, ry pazaka tompoko! Aoka ho avy eo agnatrehanao gny fitalahoako. Ka ahery agny atragnon'i Jonatana panora-dalana zaho, fa ho maty agny zaho.'''21Dra nagnome baiko i Zedekia pazaka. Nitanan'ireo panopony teo amigny kiazan'ny piamby i Jeremia. Nagnome mofo isan'andro avy eo amigny lalan'ireo panao mofo izy, mandra-pahalanin'ny mofo aby teo atanana. Dra nitoetra teo akiazan'ny piamby i Jeremia.
Chapter 38

1Nahare gny zaka ze zinakan'i Jeremia tamigny vahoaky aby i Safatia zanak'i Matana, vo Gedalia zanak'i Pasora, vo Jokala zanak'i Semelia, dra i Pasora zanak'i Malkia. Izy dra nizaka ho: 2"Yaveh nizaka anizao: Ze mitoby amity tana tihoky aby dra ho matinigny sabasy, mosary, dra areti-mandringa. Fa ze mandeha magnagny amireo Kaldeana aby dra ho velo. 3Izao gny zakan'i Yaveh: Ty tana tihoky dra hoatolosy eo atagnanigny tafikinigny pazakan'i Babylona, dra hanambosy anizay izy."4Dra hoy reo mana-pahefa tamigny pazaka: "Aoky ho maty ty lelahy tihoky, fa tamizay fomba zay gny nagnalefahany gny tagnan'ireo lelahy pialy tavela ato amity tana tihoky, dra gny tagnanigny vahoaky aby. Mitalily anitahoky zaka tahoky izy, fa sy niasa hiaro gny vahoakiny ty lelahy tihoky, fa ho anigny loza." 5Dra hoy i Zedekia pazaka: "Ingo, eo atagnanao izy akory sy misy pazaka afaka manohisy anao."6Dra nizakan'ereo i Jeremia dra nariany tao amigny famorian-dranon'i Malkia, zanadahinigny pazaka. Tao akiazanigny piamby gny famorian-drano. Napizoson'ereo tamigny taly i Jeremia. Sy nisy rano reo tamigny taly i Jeremia. Sy nisy rano tao amigny famorian-drano, fa namotaky anizay, dra niletiky tao amigny fotaky izy.7Dra Ebeda-Meleka Kosita dra raiky tamin'ireo tandapa tao amy tragnon'i pazaka. Tenoy fa nataon'ireo tao agnaty famorian-drano i Jeremia . Dra nipetraky teo amy vavahadin'i Benjamina gny pazaka.8Dra nandeha laha tao amy tragnogny pazaka i Ebeda Meleka dra niresaky taminizy . Hoy izy: 9'' Ry Pazaka topoko, tahoky lelahy tahoky dra fa nanao rasy tamy fomba nindesany an'i Jeremia paminany. Natoran'ereo tao agnaty famorian-drano izy ba ho maty gny mosary ao , satria sy misy sakafo sasy ao amy tana.''10Dra nagnome baiko an'i Ebeda- Meleka Etiopiana gny pazaka. Hoy izy: ''Mindesa lelahy telopolo avy eto dra aboaho laha tao amy famorian-drano i Jeremia alohagny hahafatesany.'' 11Dra ninday ireo lelahy ireo izy dra nagnagny amy tragnogny pazaka, tagny amy tragno fagnaza akazo tao ambaniny tragno. Tao izy gny nangalaky lamba triasy vo vorodamba dra nampizoso anazy ireo tamy taly nagnao amin'i Jeremia tao amy famorian-drano.12Hoy i Ebeda-Meleka Kosita tamin'i Jeremia:''Atovy eo ambany sandrinao vo eo amy lohagny taly gny lamba triasy vo gny voridamba.'' Ka nataon'i Jeremia zay. 13Dra nisitomin'ireo tamy taly i Jeremia. Zay gny fomba namoahan'ireo anazy tao amy famorian-drano. Ka nizano teo amy tokotaniny piamby i Jeremia.14Nandefa tegny i Zedekia Pazaka dra ninday agn'i Jeremia paminany nagnagny aminazy, ho agny amy fidira fahatelo ao amy tragnon'i Yaveh. Hoy gny pazaka tamin'i Jeremia:''Te hagnontany raha anao zaho. Ka avonio anahy gny valiny.''15Hoy i Jeremia tamin'i Zedekia: ''Raha mamaly anao zaho, dra sy hamono anahy vatany se ianao? Kanefa raha magnome torohevisy anao zaho , dra sy hiteno anahy ianao.''16Saiky niania manoka tamin'i Jeremia gny pazaka dra nizaka ho:''Raha bo velo koa i Yaveh, gny nahary asika, dra sy hamono anao zaho na hanolosy anao eo an-tagnan'ireo lelahy ze mifofo gny ainao ireo.''17Dra hpy i Jeremia tamin'i Zedekia: '''Yaveh, Zagnahary topogny maro, Zagnaharin'Israely nizaka izao:''Raha miala amin'ireo manam-pahefa gny pazakan'i Babylona ianao dra ho velo , dra sy ho may itio tana itio. Ho velo ianao vo gny ankohonanao. 18Fa raha sy miala amin'ireo manam-pahefa gny pazakan'i Babylona ianao, dra ho atolosy eo an-tagnan'ireo Kaldeana itio tana itio. Ho oroan'ireo zay, dra sy ho afa-mandositry eo an-tagnan'ireo ianao.''19Hoy i Zedekia pazaka tamin'i Jeremia:''Kanefa matahosy gny vahoakin'i Joda zay nitoka nagnagny amin'ireo Kaldeana zaho, satria mety ho atolosy eo an-tagnan'ireo zaho ba ho viraviran'ereo.''20Hoy i Jeremia :''Izy ireo dra sy hanolosy anao eo amin'ireo , Ankatoavy gny hafasin'i Yaveh zay zakako anao, ba handeha soa gny raha-iaby ho anao, dra ba ho velo ianao. 21Fa raha manda gny hiala ianao, dra izao gny fa nasehon'i Yaveh taminahy.22Ingo! Gny ampela iaby ze tavela ao an-tragnonao, ry pazakan'i Joda, dra ho andesiny hiala amin'ireo manam-pahefa gny pazakan'i babylona. Hizaka aminao ireo ampela ireo ho:'Voafitak'ereo namanao ianao; fa nanimba anao izy ireo. Amizao dra miletiky agnatiny fotaky gny tombonao, dra ireo namanao dra hisoaky.'23fa ho andesy hiala eo amin'ireo Kaldeana gny valy ama-zanakao aby, dra gny vatanao dra sy ho afaky hitokava egny an-tagnan'ireo . Ho voasambosy gny tagnany pazakan'i Babylona ianao, dra itio tana itio dra ho may.''24Dra hoy i Zedekia tamin'i Jeremia:''Ka ampahatary an'iza na iza gny mahakasiky ireo zaka ireo, ba sy ho maty ianao.''25Raha reny manam-pahefa fa niresaky taminao zaho, dra raha avy izy ireo ka mizaka aminao ho:'Zakao aminay ze nizakanao tamy pazaka, dra ka avony anay zay, raha sy zay dra ho vononay ianao,' 26dra sy maisy hizaka anazy ireo ianao ho:'Nanao fangataha teo anatrehany pazaka zaho ba sy hameregnany anahy agny an-tragnon'i Jonatana ka ho maty agny.'''27Dra avy teo amin'i Jeremia reo mana-pahefana aby dra nagnotany anazy, dra namaly anereo araky ze natoronigny pazaka anazy izy. Dra nizano nizaka taminazy ereo, akory sy nahare gny zakan'i Jeremia vo gny pazaka. 28Noho izay dra nizano teo akiazanigny piamby i Jeremia nandra-pahavianigny andro nanambosy an'i Jerosalema.
Chapter 39

1Tamigny tao fahasivy vo volana fahafolo nazakan'i Zedekia pazakan'i Joda, dra avy nindray tamigny tafiny aby i Nebokadnrzara pazakan'i Babylona hanohisy an'i Jerosalema dra hanao fahirano anizay. 2Tamigny tao na fa- hiraiky anbin'ny folo vo volana fahaefasy azakan'i Zedekia, tamigny andro fahasivinigny vola, dra voatafiky teo agnevonigny vavahady gny mana-pahefanigny pazakan'i Babylona aby: Nergala-Sarezera, Samgarnebo, dra Sarsekima, mana-pahefa lahibe raiky. I Nergala-Sarezera dra mana-pahefa ambony vo reo ambiny aby dra ,mana-pahefanigny pazakan'i Babylona.4Dra gny fa nahita anereo Zedekia, pazakan'i Joda, vo reo lelahy pialiny aby, dra nienga. Niboaky gny tana boak'eo amigny lala-terinigny zariday ereo gny hariva, teo amigny vavahady agnelagnelan'ireo manda ro. Niboaky nizosy nagnagny Araba gny pazaka. 5Saiky nagnitriky anereo gny tafiky Kaldeana dra nahatrasy an'i Zedekia teo amigny lemaky gny lohasakanigny Reniranon'i Jordana teo agnilan'i Jeriko. Dra nisamborin'ereo izy dra nandesiny niakasy tagny amin'i Nebokadnezara, pazakan'i Babylona, tao Ribla tagny amigny tanin'i Hamata, ze nagnomezan'i Nebokadnezara sazy anazy.6Nivononigny pazakan'i Babylona tagny Ribla teo amasony mihisy reo zanadahin'i Zedekia. Nivonony avo koa reo olo ambonin'i Joda aby. 7Dra niloariny gny mason'i Zedekia dra nifotorany gadra varahy ba handesany anazy agny Babylona.8Dra noroan'ireo Kaldeana gny tragnonigny pazaka vo gny tragnonigny vahoaky. Nazeran'ereo avo koa gny mandan'i Jerosalema. 9Nebozaradana, pifehin'ireo piamby manokanigny pazaka, nanao asesitany gny vahoaky sisa ze tavela tao atana. Tao agnatin'izay reo olo ze vaky nagnagny amireo Kaldeana vo gny vahoaky sisa ze tavela tao atana. 10Fa nangan'i Nebozaradana pifehin'ireo piamby manokanigny pazaka hijano ao amigny tanin'i Joda koa reo olo mahatra indrindra sy nana na ino na ino ho anereo. Nameny tanim-boaloboky vo saka tamin'io andro io avo ereo.11Nagnome baiko momba an'i Jeremia tamin'i Nebozaradana pifehin'ireo piamby manokanigny pazaka i Nebokadnezara pazakan'i Babylona. Hoy izy ho: 12"Andeso izy vo karakarao. Ka magnisy rasy anazy. Atovy aminazy ze zakany aminao aby." 13Ko nandefa olo i Nebozaradana pifehin'ireo piamby manokanigny pazaka, Nebosazbana ionoka agnabo, Negarala-Sarezera mana-pahefa agnabo, dra reo mana-pahefa agnabo, dra reo mana-pahefanigny Babylona agnabo indindra. 14Nandesin'ireo lelahy niala boak'eo amigny tokotaninigny piamby i Jeremia dra nakinin'ereo tamin'i Gedalia zanak'i Ahikama zanak'i Safana, ba hinday anazy holy, ko dra nitoby teo amigny vahoaky i Jeremia.15Dra avy tamin'i Jeremia gny zakan'i Yaveh teo apanamborana anzy teo atokotaninigny piamby, nanao anizahoky ho: 16" Mizaka amin'i Ebeda-Meleka Kosita dra atovy anizahoky ho: 'Izao gny zakan'i Yaveh toponigny maro, Zagnaharin'Israely: Ingo, fa hagnatateraky gny zakako nanohisy ty tana tihoky ho amigny loza fa sy ho amigny soa zaho. Fa ho tateraky eo anoloandrareo avokoa reo ami'zay andro zay.17Fa hamoze anao zaho amign'izaho andro izaho __izaho gny fizakan'i Yaveh__ vo sy ho omeko eo an-tanan'ny olo ze atahoranao hanao. 18Fa hagnavosy anao tokoa zaho. Sy ho lavon-tsabatra ianao. Hagnavotsy gny ainao ainao, satria matoky anahy izany vo fanambaran'i Yaveh.'''
Chapter 40

1Avy tamin'i Jeremia gny zaka boak'amin'i Yaveh tafaranigny nagnafahan'i Nebozaradana gny pifehy reo piamby gny pazaka anazy tagny Rama. Nahita an'i Jeremia nifehy ravaky teo amireo babon'i Jerosalema aby vo Joda ze nandesy natao sesitany tagny Babylona. 2Gny lahibenigny piamby nangalaky an'i Jeremia dra nanao taminazy ho: "Nandidy anizao loza zao ho an'ity toera tihoky i Yaveh Zagnaharinao.3Ko nagnatateraky anizay i Yaveh. Nanao araky ze zinakany Izy, akory handrareo ry vahoaky dra nanota taminazy dra sy nakato gny feony. Izay gny ato-pisian'izao raha zao amindrareo ry vahoaky. 4Fa ingo amizao, magnafaky anao amigny ravaky ze egny atagnanao zaho amizao. Raha sitrakao gny hindray aminahy ho agny Babylona, dra ndao, dra hikarakara anao zaho. Fa raha sy sitrakao koa gny hindray aminahy ho agny Babylona, dra ka atao anizay. Atio gny tany aby manoloan'anao. Dra mandehana amin'ize soa ze mety eo amasona."5Gny fa sy namaly Jeremia, dra hoy Nebozaradana ho: "Mandehana agny amin'i Gedalia zanadahin'i Ahikama zanadahin'i Safana, ze napandraketinigny pazakan'i Babylona gny tanan'i Joda. Mindresa mitoby aminazy eo amireo vahoaky na mandehana agny amize sitrakao andehana." Nagnome sakafo vo fagnomeza ho anazy gny pifehy gny piamby gny pazaka, dra boak'eo dra nandefa anazy. 6Ko dra nandeha tagny amin'i Gedalia zanadahin'i Ahikama, tagny Mizpa i Jeremia. Nindray nipetraky taminazy teo amireo vahoaky ze sisa velo tamigny tany izy.7Dra raha bo tagny ambanivohisy gny pifehin'ireo maramila Jodeana__ereo vo reo olony__dra nahare fa nanao an'i Gedalia zanadahin'i Ahikama, ho goverinoranigny tany gny pazakan'i Babylona. Ren'ereo avo koa fa napandraketiny anazy reo lelahy, reo apela, dra reo zaza, ze olo mahatra indrindra teo amigny tany, reo ze sy natao sesitany tagny Babylona. 8Ko dra nandeha tagny amin'i Gedalia tagny Mizpa ereo. Reo lelahy reo dra Ismaela zanadahin'i Netania; Johanana vo Jonatana, zanadahin'i Kerea; Seraina zanadahin'i Tanometa; reo zanadahin'i Tanometa; reo zanadahin'i Efay Neofatita; dra Jazania zanadahinigny Makatita_ereo vo gny olony.9Gedalia zanadahin'i Ahikama zanadahin'i Safana dra nanao fiaigna tamin'ereo vo gny olonydra nanao tamin'ereo ho: "Ka matahosy gny hanopo gny mana-pahefanigny Kaldeana. Mitobia eo amigny tany dra topoy gny pazakan'i Babylona, dra hahita soa handrareo. 10Ingo, honin'agny Mizpa zaho ba hihaona amireo Kaldeana ze avy teto amisika. Ko mamokara divay, voka-pahavarasy, vo dililo dra taviro ao amigny fitehirizandrareo reo. Mitobia amigny tana ze fa nisy andrareo."11Dra gny Jiodeana aby tagny Moaba, teo amireo vahoakin'i Amona, vo gny tao Edoma, dra ze tao amigny tany aby dra nahare fa nagnenga gny Joda sisa tavela hizano gny pazakan'i Babylona, ze nanendreny an'i Gedalia zanadahin'i Ahikama zanadahin'i Safana teo amin'ereo. 12Ko dra nihery boak'agny amigny toera ze nagnaparitahany aby gny Jodeana aby, ho agny Gedalia tagny Mizpa. Namokasy divay vo voka-pahavarasy maro dra maro ereo.13Johanana zanadahin'i Karea vo reo pifehy tafiky aby tagny agnahisy avy boak'ao amin'i Gedalia tagnyMizpa. 14Hoy ereo taminazy ho: "Moa fatasao ra fa i Balisa pazakanigny vahoakin'i Amona gny nandefa an'i Ismaela zanadahin'i Netania ba hamono anao?" Kanefa i Gedalia zanadahin'i Ahikama sy nino anereo.15Ko dra nizaka mangina tamin'i Gedalia i Johanana zanadahin'i Kerea dra nanao taminazy ho: "Mamela anahy handeha hamono an'i Ismaela zanadahin'i Netania. Sy hisy hiahiahy anahy. Nagnino izy gny hamono anao? Nagnino gny nanga hiparitaky gny Joda aby ze fa nivory teo aminao dra reo sisa tavela tao Joda teo aminao dra reo sisa tavela tao Joda aby ho rava?" 16Fa Gedalia zanadahin'i Ahikama nizaka tamin'i Johanana zanadahin'i Karea ho: "Ka manao anizay raha zay, fa miapanga vandy an'i Ismaela hanao."
Chapter 41

1Dra tamigny volana fahafito dra avy tagny amin'i Gedalia zanak'i Ahikama, tagny Mizpa i Isimaela zanak'i Netania zanak'i Elisama, boak'amigny fianakavianigny pazaka, vo gny ilany tamigny manam-boninahisy gny pazaka__olo folo gny nindray taminazy. Nindray nihina sakafo tagny Mizpa ereo. 2Fa Isimaela zanak'i Netania, dra reo olo folo ze nindray taminazy dra nisanga dra nanafiky an'i Gedalia zanak'i Ahikama zanak'i Isimaela i Gedalia, ze napetraky gny pazakan'i Babylona hiandraikisy gny tany. 3Dra nivononigny Isimaela reo Jiosy aby ze niaraky tamin'i Gedalia tagny Mizpa vo reo Kaldeana pialy hita tao.4Dra avy agny andro faharo tafaranigny namonoa an'i Gedalia, saingy sy nisy nahay. 5Gny ilany tamireo olo dra avy boak'agny Sekema, boak'agny Silo, dra boak'agny Samaria__olo valopolo ze nagnarasy gny volombavany, naniasy gny akazony, dra nandidy gny vatany gny vatany__niaraky tamigny fagnatisy hohany vo emboky magnisy tegny atagnan'ereo ba handehana ao amigny tragnon'i Yaveh.6Ko niala tao Mizpa i Isimaela zanak'i Natania ba hiseza anereo tegny apandehana, vo nitomagny. Dra raha nihaona tamin'ereo ho: "Mandehana agny amin'i Gedalia zanak'i Ahikama!" 7Dra gny fa avy boak'agny amigny tana ereo, dra nivonon'i Isimaela zanak'i Netania vo nariany tao an-davaky ereo, izy vo reo olo nindray taminazy.8Kanefa nisy olo folo tamin'ereo nizaka tamin'i Isimaela ho: "Ka mamono anay, fa sy misy vasinay agny asaka: Vary hordea, menaky vo tately." Ko sy nivonony niaraky tamireo namany hafa ereo. 9Gny famorian-drano ze nandasahan'i Isimaela gny maty aby ze nivonony, dra famorian-drano lahibe ze nihalin'i Asa pazaka ho ferova hanohera an'i Basa pazakanigny Israely. Nifenon'i Isimaela zanak'i Natania an'ireo faty zay.10Boak'eo dra nisamborin'i Isimaela reo olona aby ze tagny Mizpa, reo zanak'apelanigny pazaka vo reo olona aby ze sisa tavela tagny Mizpa ze fa nitendren'i Nebozaradana lehibenigny piamby ho an'i Gedalia zanak'i Ahikama. Ko nanambosy anereo i Isimaela zanak'i Natania dra nandeha nanavasava teo amigny olon'i Amona.11Fa i Johanana zanak'i Karea vo reo pifehin'gny tafiky nindray taminazy dra nahare gny loza aby ze nahin'i Ismaela zanak'i natania. 12Dra nalan'ereo gny olon'aby dra nandesiny hialy hanohisy an'i Ismaela zanak'i Natania. Hitan'ereo tagny amin'gny dobo lahiben'i Gibeona izy.13Vo nofa hitan'gny olon'aby ze nindray tamin'i Ismaela i Johanana zanak'i Karea vo reo pifehin'gny tafiky aby nindray taminazy, dra vatany faly ereo. 14Dra nitoliky reo olon'aby ze nisamboaran'Ismaela tao Mizpa dra nandeha tagny amin'i Johanana zanak'i Karea.15Fa nalefa nindray tamin'gny lelahy valo boaky tagny Johanana i Ismaela zanak'i Netania. Nagnagny amin'gny vahoakin'i Amona izy.16 Nalan'i Johanana zanak'i Karea boaky agny Mizpa reo olo aby ze navotany tamin'i Ismaela zanak'i Netania. Zeho dra tafaran'gny namonoan'ismaela an'i Gedalia zanak'i Ahikama. Nangala reo lelahy maheyr, reo lelahy pialy, reo zaza amin'apela,vo reo tandapa ze avosy tao Gibeona i Johanana vo reo namany.17a nandeha ereo dra nitoesy fotoa fohiky tagny Gerota Kimama, ze marinin'i Betlehema teo. Nandeha tagny Egypta ereo noho reo Kaldena. 18Ereo dra natahosy andreo akory novonan'i Ismaela zanadahin'i Netania i Gedalia zanadahin'i Ahikama, ze napiandreketan'gny pazaka gny tany.
Chapter 42

1Dra nagnato an'i Jeremia paminany gny pifeh tafiky aby vo i Johanana zanadahin'i Kareo, Jazania zandahin'i Hosaia, vo gny vahoaky aby nanomboky tamin'gny l]keliky loasy dra hatramin'gny lahibe loasy. 2Ho ereo taminazy ho: "Aoky ho avy eo agnatrehaniha gny talahonay. Mivavaha ho anay amin'i Yaveh Zagnariniha noho reo vahoaky sisa reo akory masaiky anisa loasy zahay, araky zeho hitaniha zeho. 3Zakao i Yaveh Zagnahariniha so hizaka aminay gny lala tokony handehananay vo ze tokony hahinay."4Koa dra ho Jeremia paminany tamin'ereo ho: "Fa reko handrareo. Ingo, hivavaky amin'i Yaveh Zagnaharindrareo, araky ze fa nangatahindrareo zaho. Ndre ino ndre ino havalin'i Yaveh, dra ho zakako amindrareo. Sy hita ndre ino ndre ino amindrareo zaho." 5Ho ereo tamin'i Jeremia ho: "Yaveh ra ho vavolombelo mary sady sy mivaliky ho asika no sy manao se iaby zakan'i Yaveh Zagnahariniha ho ahinay zahay."6 Ndre ho soa ndre ho rasy zeho, dra hankato gny feon'i Yaveh Zagnaharinay zahay, ze hagnirahanya aniha, so hahasoa anay nofa magneky gny feon'i Yaveh Zagnaharinay zahay."7TAmin'gny fefaran'gny andro fahafolo, dra avy tamin'i Jeremia gny zakan'i Yaveh. 8Koa dra nitoka an'i Johanana zanadahin'i Karea vo reo pifehy tafiy mindray aminazy aby i Jeremia, vo gny vahoaky aby nanomboky atamin'gny keliky loasy dra hatramin'gny lahibe loasy. 9Dra ho izy tamin'ereo ho: 'Zeho gny zakan'i Yaveh, gny Zagnaharin'Israely--- ze nagnirahandrareo anahy so ahafahako mametraky gny talahondrareo eo agnatrehany--- manao ho: 10"No mihery vo mitoesy eto amin'itihoky tany tihoky handrarei, ha hapiaary andrareo Zaho fa sy hamotiky andrareo; hamboly andrareo Zaho fa sy hagnombosy andrareo, fa hangala gny loza ze fa nandesiko teo amindrareo Zaho.11Ka matahosy gy pazakan'i Babylona, ze atahorandrareo. Ka matahosy anazy--- zeho gny fagnambaran'i Yaveh--- akory Zaho miahy andrareo so hamonzy andrareo egny an-tagnany. Fa Zaho hagnome andrareo famindram-po. 12Hana fangoraham-po amindrareo Zaho, vo Zaho handay andrareo hihery amin'gny tanindrareo.13Fe no ho handrareo ho: "Sy hitoesy eto amin'itihoky tany tihoky zahay"--- no sy miteno gny feoko, ze feon'i Yaveh Zagnaharindrareo handrareo. 14No ho handrarei ho: "Aha! Hnandeha ho agny amin'gny tany Egypta zahay, ze sy hahitanay aly, ze sy haharezanay gny feon'gny asiva, vo sy ho resy hany zahay. Hitoesy agny zahay."15Amizao mitenoa zeho zakan'i Yaveh zeho, handrarei ze sisan'i Joda. Yaveh Tompon'gny lako, Zagnaharin'Israely, dra mizaka ho: "No hienga handeha ho agny Egypta vatany handrareo, handeha sady hitoesy agny, 16dra hagnitriky andrareo agny amin'gny tany Egypta gny zesa ze atahorandrareo. Hagnaraky andrareo agny gny mosary ze ahiandrareo, dra ho faty agny andrareo. 17Vo gny lelahy aby ze nienga ho agny Egypta so hitoesy agny dra ho fatin'gny mesa, mosary, na areti-mandripaky. Sy hisy sisa vello ereo, sy hisy ho afaky milefa gny fahavoaza ze andesiko ereo.18fa mizaka zeho Yaveh Tompon'gny lako, Zagnaharin'Israely, ho: "Sahala gny firosaky gny hahoriako vo gny fahavignirako teo amin'gny ponin'i Jerosalema, dra sahal anaizeho koa gy fomba hirosahan'gny hahoriako amindrareo no mandeha agny Egypta handrareo. Hazary raha-pagnozogna vo horohoro handrareo, rahha hizaka ozo, vo raha sy mendriky, dra sy ho hitandrareo sasy zeho toera zeho."' 19Dra ho i Jeremia ho: "Yaveh dra fa nizaka mahakasiky andrareo--- handrareo ze sisan'i Joda. Ka mandeh agny Egypta! Fatandrareo vatany fa vavolombelondrareo Zaho androany2220Fa namitaky fatrasy gny vatandrareo handrareo nofa nandefa anahy ho agny amin'i Yaveh Zagnaharindrareo dra nizaka ho: 'Mivavaha amin'i Yaveh Zagnaharisika ho anay. Ze iaby zakan' Agnahary, dra ambarao anay, vo dra ho taterahiko zeho.' 21Fa nitateriko tamindrareo androany, fe handrareo sy bo niteno gny feon'i Yaveh Zagnaharindrareo na tamin'gny raha mahakasiky ze nagnirahany anahy ho amindrareo. 22Koa amizao, tokony ho fandrareo vatany fa ho fatin'gny mesa, mosary, vo areti-mandripaky handrareo agny amin'gny tany ze irindrareo hitoera."
Chapter 43

1Dra nifara gny fagnambaran'i Jeremia gny zaka aby an'i Yaveh Zagnaharan'ereo ze nizakany taminazy ba ho zakany amin'gny vahoaky aby.2Azaria zanadahin'i Hosaia, Johanana zanadahin'i Karea, vo gny olo miavognavo aby dra nizaka tamin'i Jeremia ho: " Mizaka vandy hanao. Yaveh Zagnaharinay aniha hizaka ho: ' Ka mandeha mitoby agny Egypta.'3Fa i Baroka zanadahin'i Neria dra niansy aniha hanohisy anay ba hagnafaky anay eo atagnan'ireo Kaldeana, akory hanao gny mahavy gny fahafatesanay vo manao anay ho babo agny Babylona."4Dra nanda gny hiteno gny feon'i Yaveh ba hitoby agny amin'gny tanin'i Joda i Johanan zanadahin'i Karea, reo andrian'gny tafiky aby, vo reo vahoaky aby.5Johanana zanadahin'i Krea vo reo lahiben'gny tafiky aby dra nanday ze tavela aby tamin'i Joda zay nihery boakagny amin'gny firene aby tagny amin'ze nagnaparitaha andreo ba hitoby amin'gny tanin'i Joda.6Nalan'ereo gny lelahy vo gny apela, gny zaza vo reo zanakapelan'gny pazaka, vo gny olo aby ze nengan'i Nebozaradana, pifehy reo piambin'gny pazaka tamin'i Gedalia zanadahin'i Ahikama zanadahin'i Safana. Nalan'ereo avo koa i Jeremia paminany vo i Baroka zanadahin'i Neria.7Nagnagny amin'gny tany Egypta ereo, agny Tapanesa, akory ereo dra sy niteno gny feon'i Yaveh.8Dra avy tamin'i Jeremia gny zakan'i Yaveh tagny Tapanesa, nanao ho:9' Mandrambesa vato lahibe maromaro amin'gny tagnanaiha, sady, avonoy eo amason'gny vahoakin'i Joda ao amin'gny fetan'gny rarivato eo amin'gny filira magnagny amin'gny tragnon'i Farao agny Tapanesa reo."10Dra zakao ereo ho: 'Yaveh Tompon'gny maro, Zagnaharin'Israely, mizaka zao: 'Ingo, handefa iraky hangalaky an'i Nebokadnezara pazakan'i Babylona manahaky gny panopoko Zaho. Ho atoboko eo aminy reo vato reo gny seza fiandrianany zay naleviniha, ry Jeremia, Hametraky gny lainy eo amin'ereo i Nebokadnezara.11Fa ho avy izy sady hanafiky gny tanin'i Egypta. Ze voatendry ho faty dra atolosy ho vono. Ze voatendry ho babo dra ho trasy babo. Ze voatendry ho amin'gny mesa dra home gny mesa.12Dra handrhisy afo eo amin'gny tepolin'ireo zagnaharin'i Egypta zaho. Nebokadnezara dra hagnoro andreo na hisambosy andreo. Hagnalio gny tanin'i Egypta manahaky reo piamby agnondry magnalio gny bibikeliky amin'gny akazon'ereo izy. Dra hiboaky amin'izay toera zay amin'gny fandrese izy.13Hamotiky gny sanga,-bato agny Neopolisa agny amin'gny tanin'i Egypta izy. Hagnoro gny teplinireo zagnaharin'i Egypta izy."'
Chapter 44

1Gny zaka zay avy tamin'i Jeremia mahakasiky gny Jiosy aby ze nipetraky tagny amin'gny tany Egypta, dra reo olo nitoboky tao Migdola, Tapanesa, Memfisa, vo tao amin'gny tany Patrosa.2" Yaveh Tompon'gny maro, Zagnaharin'Israely, manao zao: Handrareo mahisy gny fa nahita reo loza aby zay nandesiko tamin'i Jerosalema vo gny tanan'gny Joda aby. Ingo, rava ereo amizao. Sy misy olo mitoboky ao amin'ereo.3Zeho dra nohon'ireo raha rasy nahin'ereo bo hanafitohy Anahy tamin'gny nandehanany nagnoro ditin-kazo magnisy vo nanopoany reo zagnahary hafa. Reo dra zagnahary zay sy fatas'ereo, ndre handreo, ndre reo razambendrareo.4Dra nirahiky matetiky ho agny amin'ereo panopoko paminany aby. Nirahiko ereo bo hizaka ho: ' Azanogno gny fanova zao raha vetaveta ze halako nzao.'5Fe sy niteno ereo. Nanda sy niteno ereo na niala tamin'gny faharasiany tamin'gny fagnoroa ditin-kazo magnisy ho an'ireo zagnahary hafa.6Dra niraraky gny fahoriako vo faharombotako sady nandrehisy afo tao amin'ireo tanan'i Joda vo reo lalan'i jerosalema. Dra nanzary faharava vo fahatoroa, manahaky gny amin'izao andro androany zao ereo."7" Koa amizao, dra mizaka zao Yaveh Zagnahary Tompon'gny maro vo Zagnaharin"Israely: " Nagnino no manao faharasia lahibe amin'gny vatandrareo handrareo? Nagnino handreo gny manao ze hahafonisy andrareo amin'ireo Joda--- dra reo apela vo lelahy, reo ankizy vo zaza? Sy hisy ho tavela amindrareo.8Tamin'gny faharasiandrareo gny nanafitohiandrareo Anahy noho reo asan'gny tagnandrareo, tamin'gny fagnoroa ditin-kazo magnisy ho an'ireo zagnahary hafa tagny amin'gny tany Egypta, ze nandehanandrareo hitoboha. Nandeha tagny ndrareo bo ho toro, ba hangozogna vo hagnala baraka andrareo eo amin'gny firenen'gny tany aby.9Sa ra halignondrareo gny faharasia nahin'ireo razambendrareo vo gny faharasia nahin'ireo pazakan'i Joda vo reo valiny? Sa ra halignondrareo gny rasy nahindrareo vo gny valindrareo tagny amin'gny tanin'gnyt Joda vo reo lalamben'i Jerosalema?10Mandrak'androany, dra sy bo nanetry tegna ereo. Sy magnaza gny lalako na reo liliko ze napetrako teo agnoloan'ereo vo gny razambeny ereo, na mandeha amin'iregny."11Noho izay Yaveh toponigny maro, zagnaharin'Israely, dra mizaka anizao: "Ingo, fa hanapak'evisy gny hanandry gny tavako aminao zaho. 12Fa halako gny tavela amigny Joda ze naboaky handeha ho agny amigny tany Egypta ba hitoby agny. Hataoko zay ba hahafatesan'izy aby agny amigny tany Egypta. Ho lovanigny sabasy agny amigny tany Egypta. Ho lavonigny sabasy vo mosary ereo. Manomboky amigny masaiky indrindra dra hatramigny lahibe indrindra dra ho maty sabasy vo mosary. Ho maty ereo dra ho avy fiegna, fagnozogna, fandasa, dra raha mapihorohoro.13Fa hagnafay gny olo monina ao amigny tany Egypata manahaky gny nagnafaizako an'i Jerosalema tamigny sabasy, mosary, dra areti-mandringa zaho. 14Sy hisy ho tafasoaky ga ho velo reo sisanigny Joda ze andeha ba hitoby agny ao amigny tany Egypta gny ho tafahery ao amigny tanin'i Joda, na dre te hihery vo hitoby agny aza ereo. Sy misy ho tafahery ereo, afa-sy ze keliky hienga hiala eto."15Dra gny lelahy aby ze nahay fa nagnoro litik'azo magnisy ho an'ireo zagnahary hafa gny valin'ereo, vo gny apela aby ze tao amigny fengona lahibe, dra gny olona aby ze nitoby tagny amigny tany Egypta tagny Patrosa dra namaly an'i Jeremia. 16Hoy ereo: "Momba gny zaka ze zinakanao taminay tamigny agnaran'i Yaveh__dra sy hiteno anao zahay. 17Fa hataonay avokoa gny raha aby ze nizakanay fa hataonay__dra hagnoro liti-kazo magnisy ho anigny pazakavavinigny Lagnisy dra handraraky fagnatisy nomy ho anazy manahaky gny nataonay, reo razambenay, reo pazakanay, dra reo pitarikay tao amireo tanan'i Joda vo reo lalan'i Jerosalema. Dra ho visy hany zahay dra hambinina, vo meraky sy hiharan-doza.18Raha nisahasy sy manao reo raha reo zahay, sy nanolosy liti-kazo magnisy ho anigny pazakavavinigny Lagnisy dra sy nandraraky fagnatisy onomy honazy, dra nizaly tamigny fahatrana zahay dra ho fati-sabasy vo mosary." 19Hoy reo apela: "Gny fa manao fagnatisy liti-kazo magnisy eo anoloanigny pazakavavinigny Lagnisy zahay dra mandraraky fagnatisy onomy ho anazy, moa ra hanohisy gny valininay gny nanovanay reo raha reo, manao mofomamy amigny endriny dra mandraraky fagnatisy onomy ho anazy?"20Dra hoy Jeremia tamigny vahoaky aby__tamigny lelahy vo gny apela, dra tamigny vahoaky aby ze namaly anazy__nitalily izy dra nanao anizahoky ho: 21"Moa ra sy saroan'i Yaveh gny liti-kazo magnisy ze noroandrareo tao amireo tanan'i Joda vo reo lalan'i Jerosalema__handrareo vo reo razambendrareo vo reo pitariky, dra gny poniny gny tany aby? Fa nahasiaro anizay Yaveh; avy tao agneriseriny zay.22Ko sy zakany sasy zay nohonigny fanovan-drasidrareo, nohonigny fahavetaveta ze nataondrareo. Dra hazary ho lao, ho horohoro, dra ho ozo gny tanindrareo ba sy hisianigny ponina manahaky anizao andro amizao zao sasy. 23Akory nagnoro liti-kazo magnisy dra nanota tamin'i Yaveh handrareo, akory dra sy niteno gny feony, gny lalany, gny fisipiny, na reo lalanigny fagnekeny handrareo, dra nitranga tamindrareo anizao loza zao manahaky anizao andro amizao zao."24Dra hoy Jeremia tamigny Vahoaky aby vo gny apela aby: "Mahareza gny zakan'i Yaveh, ry Joda aby ze ao amigny tany Egypta. 25Yaveh toponigny maro, Zagnaharin'Israely, manao anizahoky ho: 'Handrareo vo gny valindrareo dra fa samby nizaka tamigny vavandrareo ze nagnatateraky tamigny tagnandrareo ze nizakandrareo ho: "Hotaterahinay vatany reo voady ze nataonay hanopoa gny pazakavavinigny Lagnisy, ba handraraky fagnatisy nomy ho anazy." Amizao efao gny voadindrareo; tateraho reo.'26Ko dra, mitenoa gny zakan'i Yaveh, ry Joda aby ze mitoby ao amigny tany Egypta, 'Ingo, fa niania tamigny agnarako lahibe zaho__hoy Yaveh. Sy ho tokavy amigny vavan'ireo olon'i Joda ao amigny tany Egypta aby sasy gny agnarako, dra handrareo ze mizaka amizao ho: " Raha velo koa gny Topo Yaveh." 27Ingo, miambin'anereo ho amigny loza fa sy ho amigny soa zaho. Gny olon'i Joda aby ao amigny tany Egypta dra ho maty sabasy vo mosary mandra-pahatapisy anazy aby. 28Dra reo sy maty sabasy dra hihery boak'ao amigny tany Egypta ho agny amigny taninigny Joda, gny siapy an'isa amin'ereo avo. Ko gny tavela tamigny Joda aby ze nandeha tagny amigny tany Egypta ba honin'agny dra hahafatasy ho gny zakan'iza gny ho tateraky: gny anahy sa gny anereo.29Izao gny ho famatara ho andrareo__izay gny fagnambaran'i Yaveh__fa hanohisy andrareo ao amizay toera zay zaho, ba ahafatarandrareo fa hamely andrareo amigny loza vatany gny zakako.' 30Izao gny zakan'i Yaveh: 'Ingo, fa hanolosy an'i Farao-Hofra pazakan'i Egypta eo atagnan'ireo fahavalony vo eo atagnan'ireo ze mifofo gny ainy zaho. Izay dra hanahaky ze nanolorako an'i Zedekia pazakanigny Joda teo atagnan'i Nebokadnezara pazakan'i Babylona, gny fahavalony ze nifofo gny ainy."
Chapter 45

1Tiho gny zaka ze nizakan'i Jeremia paminany tamin'i Baroka zanadahin'i Neria. Nofa manorasy tahoky zaka nitonongnonin'i Jeremia tahoky izy---tamin'gny tao fahaefasy nanzakan'i Joiakima zanadahin'i Josia, pazakan'i Joda zay, dra ho izy ho:2" Yaveh, Zagnaharin'Israely; dra mizaka zao aminiha, ry Baroka: 3Nizaka hanao ho: 'Iliran-doza zaho, akory napian'i Yaveh fahoria gny fitebitebika. Nandrokaky anahy gny hoaiko; sy nahita fisahara zaho.'4Zao gny sy mainsy zakaniha aminazy: 'Yaveh dra mizaka zao: Ingo ho simbako ze nahoriko. Hombotako ze namboleko--- ho ahiko manera gny tany aby zay.5Fa moa se hanao magnategna raha lahibe ho an'gny vatanao? Ka magnategna an'izay. Fa ingo, loza gny ho avy amin'gny lombelo aby---zay gny fagnambaran'i Yaveh---fa homeko aniha hanahaky reo halasinao egny amin'izay abby handehananiha egny gny fienganiha."
Chapter 46

1Izao gny zakan'i Yaveh ze avy tamin'i Jeremia paminany mahakasiky reo firenena. 2Ho an'i Egypta: "Mombanigny tafik'i Farao-neko, pazakan'i Egypta ze agny Karkemisy amoronigny onin'i Eofrata zao. Tihoky gny tafiky ze resin'i Nebokadnezara pazakan'i Babylona tamigny fahaefa-tao nazakan'i Joakima zanadahin'i Josia, pazakanigny Joda: 3Atovy vonona reo apinga masaiky vo reo apinga lahibe, dra mandehana mandroso hialy. 4Atobeo eo agnabonigny sovala reo felia; mekara eo agnabonigny sovala dra takaro gny sangananao miaraky amigny fognoloha eo agnabonigny; ragnito gny lefonao dra apetraho eo amigny akazo ferovanao.5Fa ino zao hitako izao? Feno tahosy ereo dra mienga, akory resy gny maramilan'ereo. Mienga hitalia ferova ereo dra sy magnety ze ao afara. Egny amigny magnodidin'egny gny horohoro__izay gny fagnambaran'i Yaveh__6sy afa-mienga reo malaki-fandeha, dra sy afa-miiala reo maramila. Tafitohy tagny avarasy ereo dra lova teo agnilanigny Onin'i Eofrata.7Iza ty miakasy manahaky an'i Neily tihoky, ze misamboaravoara miakasy vo mizoso manahaky gny renirano gny ozany? 8Miakasy manahaky an'i Neily i Egypta, manahaky gny oza ze miakasy vo mizoso. Hoy i Egypta ho: 'Hiakasy zaho dra hanaro gny tany. Hanola reo tana vo reo poniny zaho. 9Mekara, ry sovala. Aoky ho ory, handrareo ry Kalesy. Aoky hiboaky reo maramila, Kosy vo Pota, reo lelahy mana-paheza manoka amigny fapesa apinga, dra Loda, lelahy mana-paheza amigny fagnezeha gny sipikan'ereo.'10Tamin'io andro io gny andronigny valifatinigny topo Yaveh toponigny maro, dra hamaly faty reo fahavalony ho anigny vatany izy. Handrapaky gny sabasy dra ho afa-po. Hino gny lio maro an'ereo zay. Fa hisy soro ho anigny topo Yaveh toponigny maro agny amigny tany avarasy amoronigny Onin'i Eofrata.11Miakara agny Gileada dra mangala fanafody, ry zanakapela virizinin'i Egypta. Sy misy dikany gny nametahanao fanafody maro tamigny vatanao. Sy misy fagnafany honao. 12Nahare gny fahafaham-barakanao reo firenena. Feno gny fitomagnianao gny tany, fa nifandona tamigny maramila raiky gny maramila raiky; nindray lavo izy ro reo."13Izao gny zakan'i Yaveh nizaka tamin'i Jeremia paminany gny fa avy vo nanafiky gny tany Egypta i Nebokadnezara pazakan'i Babylona: 14"Talilio ao Egypta, dra zakao ao Migdola, Memfisa, dra Tapanesa zay.' Takaro gny toeranao dra homagno gny vatanao, fa handrapaky reo magnodidin'anao gny sabasy.'15Nagnino reo maherinao gny lavo amigny tany? Sy hisanga ereo, akory Izaho, Yaveh, gny nanosiky anereo ho amigny tany. 16Mapitombo gny isan'ireo tafitohy Izy. Gny maramila sirairay dra mifandimby lavonigny hafa. Hoy ereo ho: 'Misangana. Andeha isika holy. Andeha isika hihery agny amireo olosika, agny amigny tany nahaterahasika. Andeha isika hagnenga ty sabasy ze mamely asika tihoky.' 17Nitalily tagny ereo ho: 'Farao pazakanigny Joda dra tabataba avo, gny raiky ze nagnenga gny irikany ho lasa avo.'18Raha bo velo koa zaho__ zinaka gny pazaka, zay gny agnarany dra i Yaveh toponigny maro__dra risy olo raiky ho avy manahaky gny Tendrombohisy Tabara vo Tendrombohisy Karmela amoronigny ranomasy. 19Omagno gny eta handesindrareo agny asesitany, handrareo ze mipetraky agny Egypta. Fa ho foa i Memfisa, handry amigny faharava izy dra sy hisy na iza na iza hipetraky agny.20Egypta dra agnomby tanora soa tarehy vatany, kanefa hisy bibikely manindro ho avy boak'agny avarasy. Ho avy zay. 21Reo maramila nikarama eo agnelagnelany dra manahaky gny agnombilahy matavy, fa ereo avo koa anefa dra hihody dra hienga. Sy hindray hisanga ereo, akory avy gny andronigny loza hamely anereo, gny fotoanigny sazin'ereo. 22Misioky manahaky gny bibilava i Egypta, dra mandaly, fa reo fahavalony koa dra mizosy hanohisy anereo. Magnegny amin'ereo manahaky gny panapaky hazo miaraky amigny famaky ereo.23Hanapaky gny ala ereo__izay gny fagnambaran'i Yaveh__na dre mikitroky vatany aza zay. Fa ho maro noho reo valala reo fahavalo, sy vita isahy. 24Ho afa-baraka gny zanak'apelan'i Egypta. Hatolosy eo atagnanigny vahoaky boak'agny avarasy izy."25Yaveh toponigny maro, Zagnaharin'Israely, dra mizaka ho: "Ingo, eo andala-pamaiza an'i Amona boak'agny Teba, Farao, Egypta vo reo zagnahariny, reo Farao pazakany, dra reo ze matoky anereo zaho. 26Hatolosy eo atagnan'ireo ze mifofo gny ainy ereo, dra eo atagnan'i Nebokadnezara pazakan'i Babylona vo reo panopony. Afaran'izay dra sy ho azo hipetraha manahaky gny tamigny andro taloha i Egypta__izay gny fagnambaran'iYaveh.27Fa hanao, ry Jakoba panopoko, dra ka matahosy. Ka raiki-tahosy, ry Israely, fa ingo, hagnery anao boaky lavisy zaho, dra gny zanakao boak'agny amigny tany naha-babo anereo. Dra hihery i Jakoba boak'eo, hahita fedagna, dra ho voaaro, dra sy hisy na iza na iza hapihorohoro anazy. 28Hanao, ry Jakoba panopoko, ka matahosy__izay gny fagnambaran'i Yaveh__fa miaraky aminao zaho, dra hinday faharava tateraky amireo firenena aby ze hapielelazo anao zaho. Fa sy hanola anao tateraky zaho. Hasiaky anao araky gny rariny zaho dra sy hagnenga anao ho afa-sazy."
Chapter 47

1Zao gny zakan'i Yaveh zay avy tamin'i Jeremia paminany mikasiky an'ireo Filistina. Zao zaka zao dra avy taminazy talohan'gny nanafihan'i Farao an'i Gaza.2Yaveh dra mizaka zao: "Ingo, miakasy gny tondr-drano agny avarasy. Hanahaky gny renirano manafosy zeho! Sady hanafosy gny tany vo gny raha aby ao amin'zeho reo, reo tanany vo reo olony zay! Noho zeho gny olo aby dra hikoraky fagnapia, sady hitomagny reo olo aby ao amin'gny tany3Tamin'gny feon'gny fikatrokatrokin'gny kitron'gny sovaly matazakereo, tamin'gny fierosin'ereo kalesin'ereo vo gny tabataban'igny kodian'ereo, reo razambe dra sy hagnapy reo zanany noho gny fahalemen'ereo manoka.4Fa avy gny andro handrava an'ireo Filistina aby, bo handripaha ao Tyro vo Sidona gny sisa velo aby ze te-hagnapy an'ereo. Fa Yaveh dra mandrava an'ireo Filistina, reo ze sisa laha tamin'gny nosy Kaftora.5Ho avy amin'i Gaza gny fahasola. No gny amin'i Askelona, dra ho hapisignin'gny olo ze tavela ao amin'gny lohasahany. Mandrak'ombia gny handidiandrareo gny tegnandrareo amin'gny fandala?6Indrisy ry mesan'i Yaveh! Mandrak'ombia gny hisian'izay mandra-pisignandrareo? Miheregna ao amin'gny fitobohaniha! Mizanogna dra ka mizaka.7akory gny ahafahaniha misigny, fa Yaveh gny fa nandidy aniha. Nitoka aniha hanafiky an'i Askelona vo hanohisy reo sisin-tany magnaraky gny ranomasy Izy."
Chapter 48

1Ho an'i Moaba, Yaveh Toponigny maro, Zagnaharin'Israely dra mizaka anizao: "Loza ho an'i Nebo, fa rava zay. Nisambory i Kiriataima dra nalam-baraka. Potiky vo afa-baraka gny ferova fatrasy. 2Sy misy sasy gny voninahis'i Moaba. Nitetiky hanao loza honazy reo fahavalon'ereo tao Hesbona. Hoy ereo: 'Avia aoky sika hamotiky anazy manahaky gny firenena. Ho maty avo koa i Madmena__hagnitriky andrareo boak'ao afara gny sabasy.'3Tenoy! avy boak'agny Horonaima gny feonigny hikiaky, ze misy faharava vo fahasola lahibe agny. 4Rava i Moaba. Hapahare gny fitaregnany reo zanany. 5Hiakasy gny havoan'i Lohita apitomagny ereo, fa egny amigny lala fizosoan'i Horonaima, dra ho re reo tokatoka noho gny fahasola.6Menga! Vozeo gny aindrareo dra mevia hanahaky gny kirihitr'azavily agny atany efisy. 7Fa noho gny fahatokianao reo fombanao vo gny harenao, gny hanamboran'anao koa. Dra i Kemosy dra handeha ho amigny fahababoa, miaraky amireo pisorony vo reo pitariny.8Fa ho avy egny amigny tanan'aby gny pandrava; sy misy tana ho afa-mienga. Dra ho levo gny lohasaka dra ho rava gny lemaky, araky gny nizakan'i Yaveh. 9Ameo elasy i Moaba, fa sy maisy hitily vatany izy. Ho lasa lahibe reo tanany, ze sy misy na iza na iza monina ao ami'reo. 10Aoky ho voaozo ze kamo amigny fanova gny asan'i Yaveh! Aoky ho voaozo ze mita gny sabany amigny fandasahan-dio!11Nahasiaro ho voaaro i Moaba hatramigny naha-tanora anazy. Manahaky gny divay ze sy bo nararaky isika gny vilagny izy. Sy bo nandeha tamigny fahababoa izy. Noho izay dra soa siro lalandava izy; mizano sy miova gny sirony. 12Ko ingo, ho avy gny andro__izay gny fagnambaran'i Yaveh__gny fa handefa aminazy reo ze hagniliky anazy vo handraraky reo vilagniny aby dra hamaky reo sininy zaho.13Dra ho megnasy an'i Kemosy i Moaba manahaky gny nahamegnaranigny akohonan'Israely an'i Betela, gny atonigny fahatokisan'ereo. 14Ino gny hizakandrareo ho: 'Zahay dra miaramila, lelahy pialy mahery'?15Ho rava i Moaba dra hotafihiny reo tanany. Fa reo tovolahiny soa indrindra dra fa napizoso agny amigny toeranigny famonoa. Izay gny fagnambaranigny pazaka! Yaveh Toponigny maro gny agnarany. 16Hitranga sy ho ela gny faharavan'i Moaba; ho avy malaky sy ho ela gny loza. 17Handrareo aby magnodidy an'i Moaba, mitomagnia; dra handrareo aby ze mahay gny lazany, hiaiky zaho ho: 'Loza, fa sola, gny teky mahery, vo gny sorakazo manam-boninahisy.'18Mizosoa egny amigny toeranao be voninahisy dra mitoboha eo amigny tany maiky, hanao zanak'apela mony ao Dibona. Fa gny handrava an'i Moaba gny fa manafiky anao, gny handrava reo ferovanao fatrasy. 19Mizoroa eo amigny lala dra atio, handrareo vahoaky mony ao Aroera. Agnotanio ze fa nienga vo ze nienga. Zakao ho: 'Nisy ino?' 20Avy megnasy i Moaba, fa nitorotoro izy. Midradradradra dra mitomagnia; mikoiha famozena. Zakao amigny vahoaky eo amigny Renirano Arnona zay fa rava i Moaba.21Amizao dra avy ao amigny tany havoa gny fagnasazia, ho an'i Holona, Jahaza, dra Mefata, 22ho an'i Dabona, Nebo, sy Beti-diblataima, 23ho an'i Kiriataima, Beti-gamola, dra Beti-meona, 24ho an'i Keriota vo Bozra, dra ho anigny tanan'aby amigny tanin'i Moaba_reo tana lavisy indrindra vo gny mariny indrindra. 25Nitapahiny gny tandrok'i Moaba; nitapahiny gny sandriny__izay gny fagnambaran'i Yaveh.26Atovy mamo izy, akory niasa am-pirehareha hanohisy an'i Yaveh izy. Aoky hiosikosy amigny laony i Moaba, dra aoky ho ato-panesoa izy. 27Fa sy Israely ra gny lasa ato-piomeheza honao? Sy hita teo amireo pangalasy ra izy, dra nagnozongozognanao gny lohanao taminazy manahaky gny nizakanao gny momba anazy matetiky?28Angao gny tana dra mitobia egny amireo hasana, ry ponin'i Moaba. Mevia manahaky gny domohina ze manao gny akaniny egny amigny vavanigny lavaky egny amireo vatolapiny. 29Resisika gny fereharehan'i Moaba__ gny fiavognavognany, gny fiengisenginy, gny avognavony, gny fisehoany dra gny fieboeboanigny fony.30Izao gny fognambaran'i Yaveh__Izaho avo gny mahay gny zakany manohisy, ze sy misy sandany, manahaky reo asany. 31Dra hidradradradra fitomagnia ho an'i Moaba zaho, dra hihiaky amigny alahelo ho an'i Moaba manotolo zaho. Hitomagny ho an'i Vahoakin'i Kira-haresa zaho. 32Hitomagny honao mihoasy noho ze nataoko ho an'i Jezera zaho, ry voalobok'i Sibma! Magnavesasy gny Ranomasy masira gny rasanao dra mahatrasy hatragny Jazera. Nanafiky gny voanigny fahavarasao vo gny divainao reo pandrava.33Dra nalany lavisy gny hazo fihinam-boa vo gny tanin'i Moaba gny fakalaza vo gny hafalia. Nagnasahasy gny famoloan-divain'ereo zaho. Sy hagnisaky gny hiakia-pifalia ereo. Gny hiakiaky aby dra sy ho hiakia-pifalia.34Boak'agny Hesbona dra hatragny Elale reo hiakiaky, re agny Jahaza gny feon'ereo, hatragny Zoara dra hatragny Horonaima vo Elgata-selisia, fa na hatramigny ranon'i Nimrima ka dra maiky. 35Fa hamara reo ze manao soro eo amigny toera abo vo magnoro liti-kazo magnisy ho an'ireo zagnahariny ao Moaba Zaho_ izay gny fagnambaran'i Yaveh.36Dra mitomagny an'i Moaba manahaky gny sodina gny foko. Mitomagny manahaky gny sodina ho anigny olo ao Kira-haresa gny foko. Lasa reo harena ze azon'ereo. 37Fa sola gny loha aby dra niharasy gny volom-bava aby. Amigny tanana aby reo rasa, dra magnodidy reo valahan'ereo gny lamba fandala.38 Misy fandala na eza na eza, dra egny amigny tapela-tafotragno vo egny amireo toera malalak'i Moaba. Fa nipotehiko manahaky gny vilagny ze sy misy pitia i Moaba__izay gny fagnambaran'i Yaveh. 39Eh gny nanorotoroa anizay! Eh mindradradradra amigny tomagniny ereo!Mapiody gny lamosony ho amigny hegnasy i Moaba! Dra ho avy ato-pihomeheza vo fapihorohoroa ho an'ireo aby ze magnodidin'anazy i Moaba."40Fa ho Yaveh ho: "Ingo, ho avy hitily sahala gny voromahery reo fahavalo, mamelasy reo elany eo ambonin'i Moaba. 41Voasambosy i Keriota, vo babo reo ferovany fatrasy. Fa amin'izeho fotoa zeho dra ho avy manahaky gny fon'gny apela mihesi-zaza gny fon'ireo miaramilan'i Moaba.42Ka ho rava i Moab dra sy hisy vahoaky sasy, akory nanao gny vatany ho lahibe noho i yaveh izy. 43Horohoro vo lavaky, vo fandriky gny avy eo amindrareo, ry ponin'i Moaba--- zeho gny fagnambaran'i Yaveh. 44Ze milefa noho gny fapihorohoroa dra hilasky ao agnaty lavako, vo reo ze mihaniky gny lavaky dra ho trasin'gny fandriky, fa handa anizeho eo amin'ereo Zaho amin'gny taon'gny valifatiko amin'ereo--- zeho gny fagnambaran'i Yaveh.45Ze milefa dra hizoro sy manan-kery eo amin'gny alok'i Hesbona, fa hiboaky boay ao Hesbona gny afo, gny lelan'afo eo agnivon'i Sihona. Handevo gny handrin'i Moaba vo gny tapon-dohan'gny olo pirehareha zeho.46Loza ho aniha, ry Moaba! Rava gny olon'i Kemosy. Fa alain-ko babo reo zanakiniha lelahay vo reo zanakiniha apela ho amin'gny fahababoa. 47Fa haheriko reo haren'i Moaba amin'gny andro farany--- zeho gny fagnambaran'i Yaveh." tapisy eo gny fisaran'i Moaba.
Chapter 49

1No gny mahakasikin'gny vahoakin'i Amona, zeho gny ambaran'i Ayveh: "sy manan-zanaky se israely? Sa sy misy olo raiky handova ndre ino ndre ino agny ISraely se? Nagnino Malkana hibodo an'i Gada, vo gny vahoakiny hitoboky agy amin'gny tanany? 2Koa ingo, ho avy gny andro--- zeho gny fagnambaran'i Yaveh--- nofa hapagneno gny feo famatara ho an'gny aly hanohisy an'i Raba eo amin'gny vahoakin'i Amona Zaho,koa hazary antontam-paharava zeho sady zana-bohisy dra ho oror amin'gny afo. fa Israely hana reo ze sy nanagnant," Ho Yaveh.3" Midradradradra amin'gny fitaraigna, ry Hesbona, fa ho rava i Ay! Mikoraha, ry zanakapelen'i Raba! Manaova lamba fandala. Manaova fitaraigna dra mihazakazaha fahatany, fa i MAlkana dra ho lasan-ko babo, mindray amin'ireo pisorony vo pitarikiny aby. 4Nagnino hanao gny mirehareha amin'ireo lohasahaniha, reo lohasahaniha ze mahavokasy be, ry zabakapela sy manam-pinoa? Hanao ze mitoky amin'gny haerenaniha dra manao ho, 'Ia gny ho avy hanohisy anahy?'5Ingo, handay fapihorohorora aminiha Zaho--- zeho gny fagnambaran'i Yaveh Tompon'gny lako--- zeho fapihorohoroa zeho dra avy tamin'ireo ze magnodidy aniha aby. Gny kiraikiraiky amindrareo dra hiparitaky magnoloa anizeho. Sy hiy ndre raiky aza hamory reo ze milefa. 6Fe afaran'izeho dra hapihery reo harenan'gny vahoakin'i Amona Zaho--- zeho gny fagnambaran'i Yaveh.7Gny amin'i Edoma, zeho gny ambaran'i Yaveh Tompon'gny lako: "sy misy fahendre sasy se hita ao Temana? Nisy toro-hevisy so a se boaky amin'ireo ze nana fahazavan-say? Niha-simba se gny fahendren'ereo? 8Milefasa! miheregna! mitoera agny an-davaky gny tany, ry ponin'i Dedana. Fa manday gny lozan'i Esao eo aminazy Zaho amin'gny fotoa ze hamaizako anazy.9No avy aminiha gny pioty voaloboky, sa sy hagnazano amin'izeho se ereo? No avy amin'gny hariva gny pangalasy, sy hangalasy mihoasy noho ze ilainy se ereo? 10Fa naitanzaky an'i Esao Zaho. Napiseho reo toerany mivony Zaho. Sady sy ho afaky hagnavony gny vatany izy. Gny zanany, reo rahalahiny, vo reo piara-mony aminazy dra nirava, dra lasa izy. 11Engao afara reo kambotiniha. Hiahy gny fiaignan'ereo Zaho, vo gny pandaivataniha dra afaky mitoky aminahy."12Fa zao gny fagnambaran'i YAveh: "Ingo, reo ze sy magneva anizeho dra tokony hino amin'gny kapoaky vatany. Mieritreresy se gny vataniha fa handeha sy ho sazia hanao? aha, akory hino vatany hanao. Fa nifata tamin'gny vatako Zaho--- zeho gny fagnambaran'i Yaveh--- 13fa i Bozra dra ho lasa horohoro, ho fahafaham-baraka, hapalahelo be, vo raha fagnozona. Gny tana aby dazary faharava mandrakizay14Nahare vaovao tamin'i Yaveh Zahhhho, dra nisy nalefa tagny amin'ireo firene,' 'Mivondrogna dra tafio izy. Mivinogna amin'gny aly.' 15"Fa ingo, nahiko keliky hanao no apitaha amin'ireo firene hafa, sady sinosinoavin'gny amin'gny olo.16No gny fahatahora sniha, dra namitaky anihagny avognavon'gny fonihs, ry ponina egny amin'gny toeran'gny hansagny, hanao ze nibaha gny havoa ambony loasy so hanaoovaniha gny akaniniha ho ambony sahala gny an'gny voromahery. Ho azosoko boaky egny hanao--- zeho gny fagnambaran'Yaveh.17Ho horohoro ho an'ize mandalo egny amin'izeho i Edoma. Gny olon'aby sahala anizeho dra hangiakitaky sady hisiosioky noho gny amin'ireo loza ab reo.18 Sahala gny nandrava an'i Sodoma vo Gomora vo reo piara-belo aminazy, "ho Yaveh, "sy hisy olo hitoboky agny; sy misy vahoaky hizano agny.19Ingo, hiakasy sahala gny liona boaky agny amin'gny alan'i Jordana izy ho agny amin'ireo tanin'ahi-maiso. Fa ho apilefasiko malaky amin'izeho i Edoma, dra hametraky olo ze handramby an-tagna anizeho zaho. Fa ia gny sahala anahy, vo ia gny hitoka anahy? Piaraky agnondry ia gny afaky hanohisy anahy?"20" Koa tenoy gny hevisy ze nitapahin'i Yaveh hanohera an'i Edoma, gny fikasa ze fa nahiny hanohera reo pitobokin'i Temana. Ho taritarisiny egny iaby egny aby egny vatany ereo, ndre dra gny keliky loasy amin'gny agnondriny aza. Reo tanin'ahiny hazary toera nirava.21Nihozongozo gny tany tamin'gny feon'gny filavon'ereo. Gny feon'gny fitaraina dra re hatragny amin'gny Ranomasy Mena. 22Ingo, misy olo hanafiky sahala gny voromahery, dra hizoso dra hamelasy gny elasiny eo amin'i Bozra. Dra amin'izeho andro zeho, gny fon'ireo miaramilan'i Edoma dra ho avy sahala gny fon'gny apela mihesi-zaza."23Gny amin'i damaskosy: "Ho megnasy i Hamata vo Arpada, fa nahare gny vaovao mahakasiky gny loza ereo. Ketraky ereo! hangitakitaky noho gny ranomasy ereo, zay sy mety tony. 24Mihaosa vatan Damaskosy. Mivio hilefa anizeho; azon'gny horohoro zeho. Azon'gny fahoria vo fahararia zeho, sahala gny fahararian'gny apela miteraky. 25Nagnino gny sy nafo gny tana fidera, gny tanan-dahiben'gny fifaliako?26Noho zeho dra ho lavo eo amin'gny toerany reo tovolahy, vo reo lelahy pialy aby dra ho faty amin'izeho andro zeho--- zeho gny fagnambaran'i Yaveh Tompon'gny lako." 27"Fa handrehisy afo eo amin'gny rindrin'i Damaskosy Zaho, dra handevo reo ferovany fatrasy ho an'i Beni-hadada zeho."28Gny amin'gny Kedera vo gny fanzakan'i Hazora, zeho gny nambaran'i Yaveh tamin'i Nebokadnezara( vo Nebokadnezara pazakan'i Babylona dra hanfiky reo toera reo): "Misangana dra tafio Kedara vo aripaho reo vahoakin'gny asinagna. 29Ho ala reo lainy vo reo agnondry aman'osiny, mindray amin'ireo lainy lamba vo reo fitovany aby; ho ala amin'ereo reo ramevany, dra hanao kiaky fifalia amin'ereo gny olo, "Horohoro gny eo amin'gny magnodidy aby!"30Milefasa! mandehany alavisy! Mizano eo amin'ireo lavakin'gny tany, ry ponin'i Hazora--- zeho gny fagnambaran'i Yaveh--- fa i Nebokadnezara pazakan'i Babyloa dra fa nanao tetiky hanohera aniha. Milefasa! miheregna! 31Misangana! tafio gny firene ao am-pitonia, ze miay amin'gny ferova," Ho Yaveh. "Sy mana vavahady na fagnilia agny amin'ereo, vo reo olony dra miay amin'ereo.32Ho rabay reo ramevany, vo horobay amin'gny aly reo fanagnany maro be. Dra haeliko egny amin'gny sioky aby egny reo ze nihety gny ssim-bolony, sady handay loza amin'ereo amin'gny lafiny aby Zaho--- zeho gny fagnambaran'i Yaveh. 33Hazary fitobohwn'gny amboadia i Hazora, ho tany ngazagny maharisy. Sy misy hitoboky agny, sy misy olo hizano agny."34Zeho gny zakan'i Yaveh ze avy tamin'i Jeremia paminany gny amin'i Elama. Zeho gny nitranga tamin'gny fiandohan'gny fanzakan'i Zedoka pazakan'i Joda, dra ho izy: 35"Zeho gny nambaran'i Yaveh Tompon'gny lako: Ingo, hanapaky reo pandefa sipiky an'i Elama Zaho, ain-dahibe gny herin'erewo. 36Fa handay reo sioky efasy boaky agny amon'gny zoron'gny lagnisy efasy Zaho, vo hapiely gny vahoakin'i Elama amin'izeho sioky aby zeho zaho. Sy misy firene ze sy ho andehana'ireo ze nahely tao Elama reo.37Dra hanorotoro an'i Elama eo agnoloan'ireo fahavalony Zaho vo eo agnoloan'ireo ze mitaly gny ainy . Fa handay loza hanohera andreo Zaho, gny hahoria amin'gny fahavignirako--- zeho gny fagnambaran'i Yaveh--- dra handefa gny mesa amin'ereo zaho mandra-pahalany taminga andreo. 38Dra hametraky gny seza fiandrianako eo amin'i Elama Zaho sady handripaky gny pazakany vo reo pitariky boaky ao--- zeho gny fagnambaran'i Yaveh--- 39dra hisanga zeho amin'gny andro farany ze handesako hihery reo harenan'i Elama--- zeho gny fagnambaran'i Yaveh."
Chapter 50

1Zeho gny zaka nambaran'i Yaveh mahakasiky an'i Babyloa, gny tanin'ireo Kaldeana, tamin'gny alalan'i Jeremia paminany: 2"Tatero agny amin'ireo firene dra asevo miteno ereo. Asandrato gny famatara dra asevo miteno ereo. Ka avony zeho. Zakao ho: 'Babo i Babylona. nalay baraka i Bela. Nivadi-po i Merodaka. nalaim-baraka reo sapiny; nivadi-po reo sari-drahany.'3Hisanga hizera anazy gny firene boaky agny avarasy, so hahavy gny taniny ho faharava. Sy misy, ndre olo ndre biby, hiay ao amin'izeho. Hilefa ereo.4 Amin'izeho andro zeho vo amin'izeho fotoa zeho--- zeho gny fagnambaran'i Yaveh_gny vahoakin'Israely vo gny vahoakin'i Joda dra hindray avy so handeha amim-pitomagnia dra hitalia an'i Yaveh Zagnaharin'ereo. 5Hagnotany gny lala magnagny Ziona ereo dra hamakivaky anizeho, manao ho: Handeha zahay dra hagnato an'i Yaveh amin'gny faneke mandrakizay ze sy ho adignoy."6Agnondry very gny oloko. Nitariky andreo agny amin'gny lalan-diso agny an-tendrombohisy reo piaraky agnondrin'ereo; navion'ereo erekin'gny havoa ereo. Nandeha ereo, ka nagnadigno gny toera ze nitobohany. 7Gny olo aby ze niboaky teo amin'ereo dra namiravira andreo. Ho reo fahavalony ho: "Sy meloky zahay, akory ereo dra nanota tamin'i Yaveh, fonegneny mary ereo--- dra i Yaveh, gny fagnatenan'ireo razamben'ereo.'8Miala ao agnivon'i Babylona; miboaha boaky ao amin'gny tanin'gny Kaldeana, aoky handrareo ho sahala reoosy lahy ze miala alohan'gny andehanan'gny agnondry sisa. 9Fa ingo, fa an-dalam-pametraha gny hesiky vo hananga gny vondron'ireo firene lahibe boaky agny avarasy hizera an'i Babylona Zaho. Hifandamy hanohisy anazy ereo. Ho sambory boaky agny i Babylona. Hanahaky gny pialy mahay ze sy mihery tagnam-polo gny zanasipikin'ereo. 10Ho lasa babo i Kaldea. Ho afa-po reo aby ze mambabo anazy --- zeho gny fagnambaran'i Yaveh.11Mifaly, makalaza gny fahababoan'gny lovako handrareo; misambikimbiky sahala gny zanak'agnondry egny amin'gny fihinanam-bilony handrareo; magneno sahala gny gny sovaly mahery handrareo. 12Ka ho afa-baraka vatany gny renindrareo; ze niteraky andrareo dra ho megnasy. Ingo, ho keliy loasy amin'ireo firene izy, ho tany efisy, tany maiky, vo tany hay. 13Nohon'gny hahorian'i Yaveh, dra sy hitoboha sasy, fa ho faharava tateraky i Babylona. Gny olon'aby ze mandalo dra hangitakitaky noho i Babylona sady hisiosioky nohon'gny feriny aby.14Mifandamigna hanzera an'i Babylona vo gny magnodidy anazy aby handrareo. Sy mainsy hitifisy anazy gny olo aby ze magnenza gny sipikiny. Ka misy azano gny zana-sipikindrareo, fa nanota tamin'i Yaveh izy. 15Asandrato magnodidy anazy aby gny kiakiaky! Fa voadidy izy; fa nilavo reo tilikambony; voarodagny reo fefiny, fa zeho gny valifatin'i Yaveh. Manaova valifaty eo aminazy! Dra ahivo sahala ze nahiny!16Aripaho gny pamboly ze mamafy gny vihy vo ze mapiasa gny mesa fizinza amin'gny fotoam-pizinza ao Babylona. Aoky hihery boaky agny amin'gny measa gny papahory ho agny amin'gny vahoakiny gny olo kiraikiraiky; aoky ereo hihery agny amin'gny taniny.17Israely dra agnondry naparitaky sady niroahin'gny liona. Gny pazakan'i Asyria gny namiravira andreo volohany; vo tafaran'izeho, dra nitapahin'i Nebokadnezara pazakan'i Babyloa reo tolany.18 Noho zeho zao gny zakan'i Yaveh Tompon'gny lako, gny Zagnaharin'Israely: "Ingo, fa magnafay gny pazakan'i Babylona vo gny taniny Zaho, manahaky gny namaizako gny pazakan'i Asyria.19Hapihery an'Israely agny amin'gny tanindrazany Zabk, hihina Karmela vo Besana izy. Dra ho afa-po ao amin'gny tany habon'i Efraima vo Gileada izy. 20Amin'izeho andro zeho vo amin'izeho fotoa zeho, ho i Yaveh, ho taliavy ao Israely gny heloky, fe sy hahita. Hagnotany gny mahakasikin'gny fahotan'i Joda Zaho, fe sy hahita, fa hamela heloky gny sisa tavela ze namindrako fo Zaho."21"Misanga hizera gny tanin'i Merataima, hizera anizeho vo reo ze mitoboky Pekoda.Apetraho eo amin'gny mesa ereo dra atokay ho an'gny faharava--- zehio gny fagnambaran'i Yaveh--- ahivo ze iaby andiliako anrareo. 22Ao amin'gny tany gny feon'gny aly vo gny faharava lahibe.23Endrey gny nanapaha vo namoteha gny tantan'gny tany aby. Indrisy fa nazary horohoro eo amin'ireo firene i Babylona. 24Nametrahako fandriky hanao ka trasy, ry Babylona, sady sy nahafatasy anizeho hanao! Tra sy sady voasambosy hanao, akory nanohisy an'i Yaveh.25Fa nanokasy gny fitoeran'gny fitova-pialia i Yaveh dra nandesiny iboaky reo fitova-pialia ho fanehoany gny hahoriany. Misy asa ho an'i Yaveh Tompon'gny lako ao amin'gn tanin'gny Kaldeana.26 Tafio boaky lavisy izy. Sokafo gny fitoeram-kokasiny dra akorotagno sahala gny antontanm- bary izy. Atokagno hoan'gny faharava izy. Ka enga hisy tavela gny aminazy.27no gny ombilahiny aby. Apizoso agny amin'gny toera famonoa reo. Loza ho andreo, fa avy gny androny--- dra gny fotoa fatrokafa andreo. 28Inzany gny feon'gny filefasan'ereo. dra reo sisa sy maty, boaky tagny amin'gny tany Babylona. Ereo gny hitatisy gny valifatin'i Yaveh Zagnaharisika ho an'i Ziona, vo valifaty ho an'gny tepoliny."29" Tokavo reo pandefa zana-sipiky hanzera an'i Babylona--- reo aby ze magnenza gny sipikiny. Mitobia hizera anazy, dra ka enga hisy afaky milefa. Valio amin'ize fa nahiny izy. Ahivo aminazy anky ze fa fahiny. Fa niansy an'i Yaveh izy, dra gny Masin'Israely. 30Ka dra ho lavo egny amin'gny zoron-tana reo tovolahiny, dra ho ripaky reo lelahy pialiny aby amin'izeho andro zeho--- zeho gny fagnambaran'i Yaveh."31"Ingo, mamela aniha Zaho, ry pirehareha--- zeho gny fagnambaran'i Yaveh Tompon'gny maro--- fa avy gny androniha, ry pirehareha, dra gny fotoa ze hagnatrokafako aniha. 32Ka ho tafintohy sady ho lavo reo pirehareha. Sy hisy hananga andreo. Handrehisy afo eo amin'ireo tanan'ereo Zaho; handevo gny raha aby magnodidy anazy zeho.33Zeho gny zakan'i Yaveh Tompon'gny maro: Napahoria reo vahoakin'Israely, mindray amin'ireo vahoakin'i Joda. Bo notanan'ireo aby nisambosy anazy ereo; nanda gny hizera andreo andeha ereo. 34Mahery Gny pamonzy andreo. Yaveh Tompon'gny maro gny Agnarany. Handahasy gny amin'ereo mary Izy, so handay fisahara ao amin'gny tany, sady so handay fifandira ho an'ireo ponin'i Babylona.35Gny mesa dra hizera an'ireo Kaldeana--- zeho gny fagnambaran'i Yaveh--- dra hizera gny ponin'i Babylona, reo pitarikinny, vo reo lelahy hendriny. 36Avy hizera reo ze manao zakan-sikidy gny mesa, so hitonom-bata ho sahala gny mola ereo. 37Avy hizera reo miaramilany gny mesa, ka dra ho feno tahosy ereo. Avy hizera reo sovaliny, reo kalesiny vo reo olon'aby ze ao agnivon'i Babylona gny mesa ka dra hazary manahaky gny apela ereo. Avy hanzera reo tragno fitahirizany gny mesa, dra ho voaroba ereo.38Ho avy eo amin'ireo ranony gny hain-tany, ka dra ho maiky reo. Fa tanin'ireo sapy sy misy ila anazy iay, vo miasa manahaky gny olo niverezin-sain'ireo sapiny mahasiravy ereo. 39Ka reo bibin'gny tany efisy mindray amin'ireo amboadia gny hitoboky agny,vo gny aostrisy tanora gny hitoesy ao aminazy. Fa amin'gny fotoa aby, dra sy hitoboha sasy izy. Hatramin'gny taranaky fara mandimby, dra sy hitoboha ao aminazy. 40Dra manahaky gny nandravan'Agnahary an'i Sodoma vo Gomora vo reo magnodidy anazy--- zeho gny fagnambaran'i Yaveh--- sy hisy hitoboky ao; sy hisy olo hizano ao aminazy."41" Ingo, avy gny vahoaky boaky agny avarasy, ho an'gny firene lahibe vo reo pazaka maro fa nisandrasy boaky agny an-tany lavisy. 42Hangala sipiky vo lefo ereo. Lozabe ereo dra sy mana fangoraham-po. Manahky gny firihondrohon'gny ranomasy gny feon'ereo, dra mitikisy sovaly mitan-dahasy manahaky gny lelahy pialy, hizera andrareo ereo, ry zanakapelan'i Babylona. 43Nahare gny tatis'ereo gny pazakan'i Babyloa, dra nalemy nohon'gny horohoro gny tagnany. Nizera anazy manahaky gny apela miteraky gny fahoria.44Ingo! Miakasy manahaky gny liona boaky agny amonin'gny Jordana ho agny amin'gny fitoeram-bilo maharisy izy. Fa ho ahiky milefa malaky ao amin'izeho ereo, dra hametraky olo voafily hiandraiky anizeho Zaho. Fa ia gny manahaky Anahy, vo ia gny hitoka Anahy? Piaraky agnondry sahala gny akory gny ahatohisy Anahy?45Dra tenoy se reo fikasa ze nahin'i Yaveh hanzera an'i Babyloa, reo fikasa ze fa nalaminy hanzera gny tanin'ireo Kaldeana. Ho viraviray vatany ereo, eka fa ndre dra gny agnondry keliky loasy aza. Hizra toera rava gny tany fihinanam-bilon'ereo. 46Amin'gny feon'gny faharesen'i Babyloa dra mihorohoro gny tany, dra re amin'ireo firene gny kiakam-pahorian'ereo."
Chapter 51

1Zeho gny ambaran'i Yaveh: "Ingo, handeha hapisoaky gny sioky pandripaky amin'i Babylona vo reo mitoby ao Lela-Kamay Zaho. 2Handefa reo vahiny ao Babylona Zaho. Hagnapariaky anazy ereo sady handravarava gny taniny, fa ho avy hanohisy anazy boaky amin'gny magnodidy aby ereo amin'gny andron'gny loza.3Ka enga handefa reo zana-sipikiny reo pandefa sipiky, ka enga hanao gny akazo ferovany ereo. Ka mamindra fo amin'ireo tovolahiny; hatokany amin'gny fandrava gny tafiny aby.4 Fa gny olo maratry dra hilavo ao amin'gny tanin'ireo Kaldena, reo ze voavono dra hilavo egny amin'ireo lalany.5Fa Israely vo Joda dra sy nafon'gny Zagnahariny, Yaveh Tompon'gny maro, ndre dra feno reo fandikan-dakagna manohisy gny Masin'Israely aza gny taniny. 6Milefasa amin'gny agnivon'i Babylona. Aoky gny olo kiraikiraiky samby hagnavosy gny vatany. Aoky sy ho ripaky ao agnatin'gny helony. Fa zao gny fotoa hanaovan'Yaveh valifaty. Honerany ho anazy aby amin'izeho.7Kapoaky volamena eo an-tagnan'i Yaveh i Babylona ze nahamamo zao tontolo zao; Nino gny divainy reo firene dra lasa very say. 8Hilavo tapoky Babylona sady ho rava. Midradradradra ho anazy! Omeo fagnafody amin'gny faharariany izy; dra ho sitra izy vasa.9'Nagniry gny hahasitra an'i Babylona zahay, fa sy sitra izy. Aoky sika aby hanenga anazy vo handeha lavisy, ho agny amin'gny tanisika. Fa mahatakasy lagnisy gny helony; misavovona hatregny amin'ireo raho zeho.10 Fa nagnambara gny sy fanagnasika signy Yaveh. Avia. ndao sika hizaka amin'i Ziona reo asan'i Yaveh Zagnaharisika.11Ragnito reo zana-sipikiny dra alao reo apinga. Yaveh dra misariky gny pazakan'i Medesa amin'gny fikasa hamotiky an'i Babyloa. Zeho dra ho an'gny valifatin'i Yaveh, famalia faty tamin'gny nandrava gny tepoliny. 12Manandrata fagneva eo ambonin'ireo fefin'i Babylona. Hafatraro gny fiambena; mametraha piamby; ahivo vono reo otriky; fa hotaterahin'gny Tompo reo ze nizakany mahakasiky gny ponin'i Babylona13Handrareo pitoboky ze mitoboky egny amin'ireo moron-drano; Handrareo ponina ze nanan-karena raha sarobidy, avy gny fiafarandrareo. Gny talin'gny fifatandrareo dra nafohesy amizao.14 Nifata tamin'gny ainy manotolo i Yaveh Tompon'gny maro ho: "Ho fenolo fahavaloniha handrareo, manahky gny fandripahan'gny valala; hananga alim-pihoraha aminiha ereo.'15Nanao gny tany tamin'gny alalan'gny fahefany Izy; nametraky gny tany tamin'gny toerany izy tamin'gny fahendreny; namelasy reo lagnisy tamin'gny fahazavan-sainy Izy.16 Nofa mitrerogny Izy, dra misy rano mierosy agny an-danisy, Fa manday gny zavo lat agny am-paran'gny tany izy. Manao selasy ho an'gny ora Izy dra mamoaky reo tafio-drivosy ao amin'ireo tragno fitahirizany.17Lasa bado gny olon'aby, sy manam-pahalala. Reo panefy vy aby dra ho megnasy noho reo sapiny. Fa fitaky reo sarin-draha an'idinany, dra sy misy fiaina ao amin'izy regny.18 Sy ila izy regny, reo asan'gny pagnirasira; ho faty ereo19 amin'gny fotoan'gny fatrokafa anazy. Faagnahary, gny anzaran'i Jakoba, dra sy bo manahaky anizeho. Israely gny fokon'gny lovany; Yaveh Tompon'gny maro gny Agnarany.20Fa Hanao gny fitaovam-pialiako, langilangy amin'gny aliko. Hanao gny hanorotoroko reo firene sady hamotehako reo fanzaka. 21Hanao gny hanorotoroko reo sovaly vo reo pitikisy anazy; mindray Aminiha gny hanorotoroko reo kalesy vo reo panday anazy.22Hanao gny hanorotoroko gny lelahy vo gny apela kirakiraiky aby; Hanao gny hanorotoroko gny antisy vo gny tanora. Mindray aminiha gny hanorotoroko reo zatovo lahy vo reo viriziny vavy.23 Mindray aminiha gny hanorotoroko reo piaraky agnondry aman'osiny. Minddray aminiha gny hanorotoroko gny piasa tany vo reo tariny. Mindray aminiha gny hanorotoroko reo governora vo reo manam-pahefa.24Fa eo amasoniha gny hamaliako an'i babylona vo reo ponin'i Kaldea nohon'gny amin'ireo harasia aby ze nahin'ereo tao Ziona--- zeho gny fagnambaran'i Yaveh.25Ingo, manohisy aniha Zaho, ry tendrombohisy gny faharava--- zeho gny fagnambaran'i Yaveh--- ze mandrava gny tany manotolo. Haninzisy gny tagnako hanohisy aniha Zaho dra hapikodiadia aniha agny amin'ireo hansagny, dra hanao aniha ho tendrombohisy mirehisy Zaho. 26Dra sy hangala vato hagnorena zoron-tragno vo fotosy boaky aminiha ereo; fa ho lasa faharava mandrakizay hanao_zeho gny fagnambaran'i Yaveh.27Manangana fagneva manera gny tany. Sofy manera reo firene gny anzomara. Tokavo reo firene hizera anazy: Ararata, Miny vo Askenaza. Manendre pibeko hizera anazy; manday sovaly manahaky reo valala volina. 28Vonogny reo firene hizera anazy: gny pazakan'i Mediana vo reo governorany, gny manam-pahefany aby vo reo tany aby ze eo ambanin'gny fahefany.29Fa nihorohoro vo ho ao agnaty hirifiry gny tany, akory nitohy gny fikasan'i Yaveh hanohisy an'i Babylona, so hahavy gny tanin'i babylona ho tany ngaza ze sy misy ponina.30Fa nizano nitolo reo miaramilan'i babylona; nizano tao amin'ireo ferovany fatrasy ereo. Lefy gny herin'ereo; nazary apela ereo--- mirehisy gny tragnon'ereo, tapaky reo hilim-bavahady.31 Gny panday hafasy mihazakazaky so hagnambara hafasy agny amin'gny panday hafasy raiky hafa, vo gny pihazakazaky raiky mizaka amin'gny pihazakazaky raiky hafa so hitatisy agny amin'gny pazakan'i babylona fa tiky tana tiky dra fa voasambosy hatragny farany. 32Dra azo reo fiapita egny ambonin'gny rano, magnoro reo volotara amin'gny afo miheniheny reo fahavalo, dra very hevisy reo lelahy pialin'i Babylona.33Fa Yaveh Tompon'gny maro, Zagnaharin'Israely, gny mizaka zeho: manahaky gny famoloa gny zanakapelan'gny Babylona. Fotoa hagnosena anazy zeho. Ho avy aminazy agnaty fotoa fohiky gny fotoam-pizinza.34Nilevonin'i Nebokadnezara pazakan'gny Babylona; nanday anahy amin'gny fahaverezan-kevisy izy. Dra nahiny ho vilagny foagny zaho, nagnately anahy manahaky gny biby goavam-be izy; nameno gny trokiny tamin'gny hanim-piako izy; nandroaky anahy izy. 35Ze mitoboky ao Ziona hizaka ho: 'Aoky gny herisetry nahy anahy vo tamin'gny nofoko ho amin'i babylona." Dra ho Jerosalema ho: Aoky gny lioko ho amin'ireo ponin'i Kaldea."36Koa zeho gny zakan'i Yaveh: "Handeha hisolo vava aniha Zaho dra handay valifaty ho aniha. Fa hoo ritiko gny ranon'i Babylona dra hagnamaiky gny loharanony Zaho. 37Fa ho lasa korotam-bato i Babylona, lavaky fieren'gny amboadia, horohoro, raha mapisiosioky, ze sy misy pitoboky.38Hierosy mindray manahaky reo liona tanora reo Babylonianaa. Hierosy manahaky gny zana-diona izy. No lasa agnaty fitiavam-bola tafahoasy ereo, hanao39 fihinanambe ho andreo Zaho, hamamoiko ereo dra ho faly sady dra hatory agnaty torimaso sy mety tapisy dra sy hifoha sasy--- zeho gny fagnambaran'i Yaveh--- 40Ho alefako hizoso agny amin'gny famonoa manahaky reo zanak'agnondry, manahaky gny agnomby aman'ondry mandray amin'ireo osy ereo.41Endrey gny nahazoa an'i Babylona! Dra azo gny fisiririan'gny tany manotolo. Endrey fa nizary toera ngazagny eo amin'ireo firene i Babylona. 42Miakasy manera an'i Babylona gny ranomasy! Voarakosin'ireo mierosy izy.43Nizary faharava reo tagnany, tany maiky vo efisy, tany ze sy misoy mitoboky, vo sy handalova ndre olo raiky aza. 44Dra ho fatrofako ao Babylona i Bela; ho andesiko hiboaky gny vavany ze natekiny vo reo firene dra sy hikoria aminazu mindray amin'ireo fagnatis'ereo. Hiroda gny fefin'i Babylona.45Miboaha eo amin'gny agnivony, ry oloko. Aoky gny kiraikiraiky samby hagnavosy gny vatany amin'gny fahvigniran'gny hahoriako.46 Ka anga ho megnasy gny fondrareo na hatahosy gny vaovao ze re ao amin'gny tany, fa ho avy amin'gny tao raiky reo vaovao. Afaran'izeho amin'gny tao magnaraky avo koa dra hisy vaovao, vo gny herisetry dra ho amin'gny tany. Panapaku hanohisy panapaky47Koa, ingo, avy gny andro ze hagnafatrako reo sapy voasokis'i Babylona. Ho megnasy reo taniny aby, vo reo fatiny dra hilavo eo agnivony. 48Vo gny lagnisy vo tany, vo ze iaby ao amin'ereo dra hifaly amin'gny Babylona. Fa ho avy aminazy boaky agny avarasy gny pandripaky--- zeho ny fagnambaran'i Yaveh. 49" Manahaky gny napilavoan'i Babylona gny Israely voavono, gny hilavoanireo voavono tao amin'gny taniny aby ao Babylona."50Ry sisa velo amin'gny mesa, mandehana! Ka mizano, Sarovy boaky egny alavisy i Yaveh; aoky hosaroa i Jerosalema. 51Megnasy zahay, fa nahare reo zaka maloto; nandrakosy gny tarehinay gny fagnameloha, fa nilisy tao amin'ireo fitoera Masin'gny tragnon'i Yaveh reo vahiny.52Koa, ingo, avy gny andro--- zeho gny fagnambaran'i Yaveh--- ze hagnafatrarako reo sapy voasikony, dra hiseto amin'gny taniny aby gny vahoaky marasy. 53Fa ndre dra miakasy egny amin'gny lagnisy aza i Babylona na magnafatrasy gny ferovany abo loasy aza izy, dra ho avy aminazy reo pandripaky boaky aminahy--- zeho gny fagnambaran'i Yaveh.54Gny kiakin'gny fahoria dra boaky agny Babylona. firodagna lahibe boaky agny amin'gny tanin'ireo Kaldeana.55 Fa Yaveh dra mandrava an'i Babyloa. Izy gny mapizano reo fihorakoraha fatrasy. Mierosy manahaky reo anzan-drano reo fahavalony; mihamafy reo tabatabany. 56Fa avy hanohisy anazy gny pandripaky--- manohisy an'i Babylona!--- vo reo lelahy pialiny dra fa voasambosy. Tapaky reo sipikiny, fa Yaveh gny Zagnaharin'gny famalia; fa handay anzeho famalia zeho vatany Izy.57Fa hataoko mamo reo andriandahiny, reo olon-kendriny, reo manam-pahefany, vo rreo miaramilany, dra hatory agnaty torimaso sy misy fiafarany ereo dra sy hifoha sasy--- zeho gny fagnambaran'gny pazaka: Yaveh Tompon'gny maro gny agnarany. 58Yaveh Tompon'gny maro mizaka zeho: "Ho rava tateraky gny fefy matevin'i Babylona dra horoa reo vavahadiny abo. Dra reo vahoaky ze avy hagnapy anazy dra ho sasa-poa; gny raha aby ze azahin'ireo firene ahy ho anazy dra horoa."59Zao gny zaka ze nandilian'i Jeremia paminany an'i Seraia zanadahin'i Neria zanadahib'i mahaseia nofa nadeha ho agny Babylona izy nindray tamin'i Zedekia pazakan'gny Joda tamin'gny tao fahaefasy nanzakany. 60Fa nazary ho lahiben'gny manam-pahefa i Seraia. Fa nanorasy reo loza aby ze ho avy amin'i Babylona tao agnaty horonan-taratasy i Jeremia__ reo zaka aby ze voasorasy mahakasiky an'i Babylona.61Nizaka tamin'i Seraia i Jeremia ho: "Ngy fa magnagny Babylona hanao, dra hahita vo hamaky fatrasy reo zaka reo. 62Dra hizaka hanao ho: "Yaveh, Hanao mihisy gny nagnambara fa ho ravainiha ity toera tiky, dra sy hisy olo na biby hiay ao aminazy, dra ho rava mandrakizay izy.63Dra gny fa vitanao gny famakia iho horonan-taratasy iho, dra faheo amin'gny vato zay dra ario egny agnivon'ireo Eofrata. 64Zakao ho: "Ho rendriky manahaky anizay i Babylona. Sy ho tafasanga izy noho reo loza ze alefako hanohisy anazy, dra hilavo izy." Tapisy eto gny zakan'i Jeremia.
Chapter 52

1Iraiky amby ropolo tao i Zedekia no nanomboky nanzaka; nanzaka iraiky ambin'gny folo tao gny agnaran-dreniny; izy dra zanaky apelan'i Jeremia boaky agny Libna. 2Nanao rasy teo amason'i Yaveh izy; nanao ze iaby fa nahin'i Joiakima izy. 3Tamin'gny hahorian'i Yaveh, gny nitrangan'ireo raha aby reo tagny Jerosalema vo Joda, amabara-pandroasany andreo sy ho eo agnoloany. Dra nikomy tamin'gny pazakan'i Banylona i Zedekia.4Vo tamin'gny tao fahasivy nanzakan'i Zedekia pazaka, tamin'gny vola fahafolo, vo tamin'gny andro fahafolon'gny vola, dra avy nindray tamin'ireo tafiny i Nebokadnezara, pazakan'i Babyloa, so hanohisy an'i Jerosalema. Nitoby tandrifin'izeho ereo, dra nagnory tilikambo nagnodidy anizeho. 5Koa dra nahy faharaiky ambin'gny folon'gny tao nanzakan'i Zedekia pazaka.6Tamin'gny vola fahaefasy, tamin'gny andro fahasivy tamin'izeho tao zeho, dra nirongasy tao an-tana gny mosary fa sy nisy sakafo ho an'gny ponin'gny tany. 7Vo dra rava gny tana, vo reo lelahy pialy aby fta nirifatry nilefa sady niboaku gny tana gny hariva teo amin'gny vavahady ze teo agnelagnelan'gny rindry ro, teo agnilan'gny zaridain'gny pazaka, ndre dra nagnodidy gny tana aza gn Kaleana. Dra nizotry nagnagny Araba ereo.8 Fe nagnitriky gny pazaka reo tafiky gny Kaldeana dra nahatrasy an'i Zedekia teo amin'gny tany hain'gny lohasahan'gny Ony Jordana ze agnilan'i Jeriko. Naparitaky niala teo aminazy reo tafiny aby.9Nisamborin'ereo gny pazaka dra nandesiny niakasy tagny amin'gny pazakan'i Babylona tagny Ribla tao amin'gny tany Hamata, ze nisarany anazy. 10Namono reo zanadahin'i Zedekia teo amasony gny pazakan'i Babylona, vo tagny Ribla dra namono reo pitariky gny Joda aby avo koa izy. 11Dra nalany gny mason'i Zedekia, dra nifatora tamin'gny rozo saba izy, dra nandesy tagny Babylona. Nalefan'gny pazakan'i Babylona tagny am-ponza izy ambara-pahafatiny.12Vo tamin'gny vola fahadimy, tamin'gny andro fahafolon'gny vola, ze fahasivy ambin'gny folo tao nanzakan'i Nebokadnezara pazaka, pazakan'i Babylona, dra avy tagny Jerosalema i Nebozaradana. Izy gny pifehy reo piamby gny pazaka vo panopon'gny pazakan'i Babylona. 13Nagnoro gny tragnon'i Yaveh, gny lapan'gny pazaka, vo reo tragnon'i Jerosalema aby izy; dra noroany avo koa gny tragno lahibe manan-danza aby. 14No gny amin'ireo fefy magnodidy an'i Jerosalema, dra fa namotiky andreo gny tafiky gny Babylobiana aby ze nindray tamin'gny pifehy gny piamby gny pazaka.15No gny amin'ireo olo mahantra indrindra, reo olo sisa tavela tao an-tana, reo ze fa nilefa ho agny amin'gny pazakan'i Babylona, vo reo sisa tamin'ireo panao asa tagna_dra nhin'i Nebozaradana, gny pifehy gny piamby gny pazaka ho babo gny sasany tamin'ereo. 16Fa i Nobozaradana, gny pifehy gny piamby gny pazaka, nanenga gny sasany tamin'ireo mahantra indrindra an'gny tany so hiasa reo tanim-boaloboky vo reo saha.17Raha gny amin'ireo andry varahy ze an'gny tragnon'i Yaveh, vo reo fitoeran-tavin-drano vo reo tavin-drano saba ze an'gny tragnon'i Yaveh, dra nipotehin'ireo Kaldeana dra nandesiny nihery tagn Babyloa aby reo saba aby. 18Reo vilagny, angaly, fanaovan-ziro, lasety, vo reo kozakoza vita amin'gny saba ze nanopoan'ireo pisoro tao an-tepoly__ dra nandesin'ireo Kaldeana aby. 19Gny tavy fanaova lavenon-ziro vo reo fagnoroa ditin-kazo magnisy, reo lasty, reo vilagny, reo fitoeran-ziro, reo lasitry, vo tavin-drano ze vita tamin'gn volamena, vo reo vita tamin'gn volafosy__dra nandesin'gny pifehy piamby gny pazaka avo koa.20Reo andry ro, gny tavin-drano, vo reo agnomby saba ze teo ambvanin'ireo fitoeran-tavin-drano, raha ze namboarin'i Solomona ho an'gny tragnon'i Yaveh, dra feno saba maromaro ze nisinisy lanzany avo. 21Reo andry dra samby valo ambin'gny folo hakiho aby gny haabony, vo gny sipiky magnodidy andreo dra nirefy ro ambin'gny folo hakiho. Samby fanondro efasy gny hateviny sady poakaty.22Kapitaly saba gny teo an-tendron'izeho. Dimy hakiho gny haabon'gny kapitaly, mindray amin'gny harato vo apongabendagnisy magnodidy anazy. Vita tamin'gny saba aby zeho. Gny andry raiky hafa vo apongabendagnisiny dra mitovy amin'gny raiky volohany avo. 23Koa dra apongabendagnisy eny amby sivi-folo noho zeho gny teo agnilan'gny kapitaly, vo apongabendagnisy zato gny teo ambonin'gny harato magnodidy.24Gny pifehy gny piamby gny pazka dra nisambosy an'i Seraia, gny pisoronabe, nindray tamin'i Zefania, gny pisoro faharo, vo reo piamby vavahady telo. 25Tao an-tana gny nisamborany manam-pahefa raiky ze nisaha reo miaramila, vo lelahy fito tamin'ireo ze nanolo-say gny pazaka, ze bo tao an-tana. Nisambosy gny manamboninahisy gny tafiky gny pazaka ze pandrafisy gny tafiky, mindray tamin'ireo olo manan-kaza enipolo boaky amin'gny tany ze tao an-tana avo koa izy.26Vo dra nalan'i Nebokadnezara, gny pifehy gny piamby gny pazaka ereo dra nandesiny tagny amin'gny pazakan'i Babylona tagny Ribla. 27Novonon'gny pazakan'i Babylona tagny Ribla tagny amin'gny tanin'i Hamata ereo. Tamin'izeho fomba zeho, gny nandesa gny Joda ho babo niala tao amin'gny taniny.28Tahoky gny olo nibaboin'i Nebokadnezara: tamn'gny tao fahafito, Jiosy 3.023. 29Tamin'gny fahavalo ambin'gny folo tao nanzakan'i Nebokadnezara dra nangala olo 832 baoky agny Jerosalema izy. 30Tamin'gny fahatelo amby ropolo tao nanzakan'i Nebokadnezara, dra nambabo Jiosy 745 i Nebokadnezara, gnu pifehy re piamby gny pazaka. Miisa 4600 gny fitambaran'ireo babo aby.31Vo tamin'gny andro fahadimy amby ropokon'gny vola, tamin'gny vola faharo ambin'gny folo, tamin'gny faraparan'gny tao fahafito amby telopolo naha-babo an'i Jekonia, dra nagnafaky an'i Joiakina pazakan'gny Joda am-ponza i Evila-merodaka, pazakan'i Babylona. Tamin'gny fotoa nanombohan'i Evila-Merodaka nanzaka gny nisehoan'izeho.32Nizaka apahasora taminazy izy dra nagnome anazy toeran'agnabo noho reo pazaka hafa ze nindray taminazy tagny Babylona. 33Nangalaky gny fitafia maha-voafoza an'i Joiakina i Evilamerodaka, dra nihina sy tapaky teo an-databatry gny pazaka tamin'gny andro sisa niainany i Joiakina, 34dra name hany ara-dalagna isan-andro izy tamin'gny andro sisa niegnany ambara-pahafatiny.

Lamentations

Chapter 1

1Gny tana ze feno olo tamin'izeho dra mitoesy raiky amizao. Lasa manahaky gny panday vata izy, ndre dra firene nahery aza. Izy gny andriambavy teo amin'ireo firene, fe notere ho amin'ireo fagnandevoza amizao.2Mitomagny sady midradradradra izy amin'gny hariva, dra mandrakosy gny fifiny reo ranomasony. Sy nisy tamin'ireo tia anazy so napiegny anazy. Namadiky anazy gny namany aby. Nazary fahavalony ereo.3Tafaran'gny fahantra vo fahoria, dra nalefa ho sesitany i Joda. Miay eo amin'ireo firene izy sady sy mahita fisahara. Reo pagnitriky anazy aby dra nanahatrasy anazy tao amin'gny fahakiviany.4Mandala reo lalan'i Ziona akory sy misy ndre raiky aza amin'ireo fanasa voatondro. Lao gny vavahadiny aby. Miseto reo pisoro. Malahelo fatrasy reo viriziny vo izy vatany dra ao agnatin'gny fahoria tateraky.5Nazary tompony reo fahavalony; niroborobo reo fahavalony. Napahorin'i Yaveh izy noho reo fahotany maro. Reo zanany keliky dra lasan-ko babo agny amin'gny fahavalony.6Niala tamin'gny zanakapelan'i Ziona gny hasoan-tarehy. Nazary manahaky gny serfa ze mahita ahisy reo zanak'andriany, dra mandeha sy misy hery eo agnoloan'gny pagnitriky anazy ereo.7Amin'ireo androm-pahoriany vo sy hanagnany felofa, dra hahasiaro reo harena sarobidy aby ze nanagnany tamin'gny androny taloha i Jerosalema. Nofa lavo teo an-tagnan'ireo fahavalony gny olony, dra sy nisy nagnampy anazy. Nahita anazy reo fahavalonu dra niomehy tamin'gny faharavany.8Nagnota be Jerosalema, noho zay, dra nalaim-baraka manahaky gny raha maloto izy. Reo iaby nagnome voninahisy anazy dra manao sinosino anazy amizao hatramin'gny nahitan'ereo gny fiboridagnany. Miseto izy sady miezaky miholiky.9Nazary naloto tao ambany zipony izy. Sy nihevisy gny ho aviny izy. Nahaory gny filavoany. Sy nisy ndre ia ndre ia nakahery anazy. Nitaray izy ho: " Atio gny fahoriako, ry Yaveh, fa nazary tena lahibe gny fahavalo.10NAmetraky gny tagnany teo amin'ireo harena sarobidy aby gny fahavalo. Fa nahita reo firene nilisy tao amin'gny fitoboha masy izy, ndre dra fa nibekoniha sy hilisy ao amin'gny toeran'gny fiangonaniha aza ereo.11Miseto aby reo olony aby no niyalia mofo ereo. Natakalo mofo reo harena sarobidy so hapihery gny ain'ereo. Atio, ry Yaveh, dra diniho zaho, akory nazary raha foa zaho.12Sy misy dikany amindrareo ra, handrareo aby ze mandalo? Atio dra aoky ho hitaniha no misy alahelon'olo manahaky gny alahelo mianzady aminahy, hatrizay napizalian'i Yabeh anahy tamin'gny andron'gnu hasiakan'gny hahoriany.13Lat'agny amin'gny abo gny nandefasany gny afo tamin'ireo tolako, dra nahazo anazy zeho. Namelasy harato ho an'gny tomboko Izy dra napihery anahy. Nahiny lao sady rokaky foa zaho. 14Gny ziogan'ireo fandikan-dalako dra nira-nafatony tamin'gny alalan'gny tagnany. Napifandresy reo dra napetrako teo an-soroko. Nandavo gny heriko izy. Nomen'gny Tompo ho eo an-tagnan'ereo zaho, ka sy tafasanga.15Napisavoaravoara reo lelahy maheriko ze miaro anahy gny Tompo. Fa nitoka gny fiangona hanohisy anahy izy so hamotiky reo lelahiko matazaky. Nagnisakisaky gny zanakapela virizinin'i Joda tao amin'gny famiazam-boaloboky gny Tompo.16Mitomagny zaho noho reho raha reho. Gny masoko, mikoria amin'gny masoko gny rano akory lavisy anahy reo pakahery ze tokony hapitraka gny fiainako. Lasa reo zanako akory nandresy gny fahavalo. 17Namelasy gny tagnany i Ziona; sy nisy ndre ia ndre ia nakahery anazy. Nibeko i Yaveh fa reo ze magnodidy an'i Jakoaba dra tokony ho fahavalony. Raha maloto amin'ereo i Jerosalema.18Mary i Yaveh, fa zaho gny nikomy hanohisy gny liliny. Mitenoa, handrareo ry olo aby, dra atio gny alaheloko. Nazary ho babo reo viriziniko vo reo olo-maheriko. 19Mitoka reo namako zaho, fe namitaky anahy ereo. Maty tao an-tana reo pisoroko vo reo loholoko, no nitalia sakafo hapihery gny ainy ereo.20Ingo, ry Yaveh, fa ao agnaty fahoria zaho, dra magnotiky vavoniko, torotoro ao agnatiko gny foko, akory tena nikomy vatany zaho. Atany egny, dra mapahory gny reny gny mesa, sy misy laha sy fahafatesa ao am-pasange.21Nahare gny fitaraignako ereo, fe sy nisy nakahery anahy. Nahare gny fahoriako reo fahavaloko aby sady faly ereo fa vitaniha zeho. Fa nanday gny andro napagnatenaniha Hanao; dra aoky ereo ho lasa manahaky anahy amizao. 22Aoky gny faharasin'ereo aby ho avy eo agnoloaniha. Ahivo manahaky gny nanaovaniha anahy noho reo fahotako aby ereo. Maro gny fitarainako dra rokaky gny foko.
Chapter 2

1Nagnasaro gny zanakapelan'i Ziona tao ambanin'gny rahon'gny hahoriany gny Tompo. Nariany lat'egny an-dagnisy tamin'gny tany gny famirapiratan'Israely. Sy nahasiaro gny fitoeran-tombony Izy tamin'gny andron'gny hahoriany. 2Fa nitely sady sy nana antra tamin'gny tagnan'i Jakoba aby gny Tompo. Tamin'gny andron'gny hahoriany gny nandravany reo tana mifefin'gny zanakapelan'i Joda; tamin'gny fahafaham-baraka gny nanzerany gny fanzaka vo reo panapany taming'ny tany.3Tamin'gny hahoria fatrasy gny nanapahany gny tandrok'Israely aby. Nalany teo agnoloan'gny fahavalony gny tagnany akavagna. Noroany manahaky gny afo midedadeda ze mandrapaky gny raha aby magnodidy anazy i Jakoba. 4Manahaky gny fahavalo gny nagnenzanany gny sipikiny taminsika, vonoogny gny hitifisy gny akavagnany. Novono reo rehetra ze tena nakasitraky Anazy tao amin'gny lain'gny zanakapelan'i Ziona; narosiky manahaky gny afo gny hahoriany.5Nazary manahaky gny fahavalo gny Tompo. nateliny i Israely. Nateliny aby gny lapany aby. Fa niravany reo ferovany fatrasy. Napitombony gny fandala vo gny fitomagnia teo amin'gny zanaky apelan'i Joda.6 Nizera gny tabernakeliny manahaky gny tragno bongo an-zariday Izy. Niravany gny fitoeran'gny fiangona magnetriketriky. Fa napagnaligno gny fiangona magnetriketriky vo gny Sabata tao Ziona i Yaveh, fa nahiny sinosino tamin'gny sy fahamendrehan'gny hahoriany gny pazaka vo gny pisoro.7Nagnary gny alitarany gny Tompo dra nanda gny fitoerany masy. Nomeny teo an-tagnan'gny fahavalo gny fefin'ireo lapany. Nanondrosy kiaky tao an-tragnon'i Yaveh, manahaky gny amin'gny androm-panasa voatondro ereo.8Nanapa-kevisy gny hanimba gny fefin'gny tanan'gny zanakapelan'i Ziona i Yaveh. Nenzagniny ny taly fandrefesa dra sy nita gny tagnany sy handrava gny fefy Izy. Napitomagny gny tovon-tany vo gny fefy Izy; nindray niroda reo.9 Nilavo tamin'gny tany reo vavahadiny; narodany sady nivakiny gny hilin'ireo vavahadiky. Gny pazakany vo reo andriany dra teo amin'ireo firene, sy nisy sasy gny lalagny sy nahita fahita latamin'gny Yaveh reo paminaniny.10Nipetraky tamim-pahangikia tamin'gny tany reo loholon'gny zanakapelan'i Ziona. Nanoraky botany teo an-dohany ereo sady nanao lamba fandala. Nagnondriky gny lohany tamin'gny tany reo virizinin'i Jerosalema.11Pahin'gny ranomaso lat'aminazy reo masoko; magnotiky gny vavoniko; niraraky tamin'gny tany gny tao agnatiko nohon'gny faharipahan'gny zanaky apelan'gny oloko, gny faharokafan'ireo ankizy vo gny zaza egny amin'ireo lalan'gny tana.12 Ho ereo amin'gny reniny: " Eza gny vary vo gny divay?" no rokaky manahaky gny olo marasy egny amin'gny lalan'gny tana ereo, niraraky tegny an-tratran'ireo reniny gny ain'ereo.13Ino gny azoko zakay aminiha, ry zanakapelan'i Jerosalema? Amin'gny ino hanao gny apitahako, so ahafahako papiegny aniha, ry zanaky apela virizinin'i Ziona? Gny ratriniha dra lahibe manahaky gny ranomasy. Ia gny afaky hagnasitra aniha?14 Fa nahita fahita diso vo sy magneva ho aniha reo paminaniniha. Sy napiharihary gny helokiniha so hapiheregna gny hareniha ereo, fa nagnome zaka diso sady mamitaky ho aniha ereo.15Reo aby ze mandalo egny an-dala dra miteha-tagna aniha. Misitrisy sady mihifikifi-doha ereo sady mizaka ho: 'Fa sy tihoky se gny tana ze nitokanin'ereo ho 'Gny fahasara tonga lafasy,' ' Gny Fifalia ho an'gny tany aby'?" 16Manoka-bava sady magneso aniha gny fahavaloniha aby. Manao fihomehy magneso sady mihily vaza ereo sady mizaka ho: " fa natelinay izy! Tihoky gny fotoa fa nembenanay! Niay so hagnety anizeho zahay!"17Nahin'i Yaveh ze nikasany ahy. Nagnatateraky gny zakany Izy. niravany sy nisy hantra hanao, fa nagnome alala gny fahavalo so hifaly eo aminiha Izy; nasandrany gny tandrok'ireo fahavaloniha.18Nitaray tamin'gny Tompo gny fon'ereo, dra reo fefin'gny zanakapelan'i Ziona! Arosaho manahaky gny renirano andro amgn'aly gny ranomasoniha. Ka magnome fisahara ho an'gny vataniha, fisahara ho an'gny masoniha. 19Mifohaza, mitalahoa amin'gny hariva, dra amin'gny fanombohan'gny fiambena hariva! Araraho manahaky gny rano eo agnatrehan'gny tarehin'gny Tompo gny foniha. Asandrato ho Anazy gny tagnaniha ho an'gny ain'ireo zanakiniha ze rokaky gny haresea eo an-zoron-dala aby."20Atio, ry Yaveh, dra hevero reo ze nanao anizeho fomba zeho. Sa ra tokony hihina gny naloaky gny trokiny reo apela, dra reo zanaky ze nikarakarany? Sa ra tokony ho vono ao amin'gny fitoera masin'gny Tompo gny pisoro vo gny paminany?21Samby mandry eo amin'gny botanin'ireo lala gny tanora vo gny antisy. Lavon'gny mesa reo tovovaviko vo reo tovolahiko; novononiha sy misy hantra ereo. 22Nitokaviniha, manahaky gny nitokavaniha gny olo ho amin'gny andro firavoravoa, nagnodidy anahy aby gny horohoroko, tamin'gny andron'gny hahorian'i Yaveh dra sy nisy afaky nilefa na tafaboaky velo; reo ze fa nikarakaraiko sady nibeaziko, dra niripahin'gny fahavaloko.
Chapter 3

1Zaho dra olo ze nahita fahoria teo ambanin'gny sorakazon'gny hahorian'i Yaveh.2 Nitarihiny sady napandehaniny tamin'gny mezy zaho fa sy tamin'gny mazava. 3Azo atoky fa namaliky gny tagnany hanohisy anahy avo Izy, nandrisy gny totolo andro. 4Nahiny malazo gny nofoko vo gny holisiko; nitapahiny reo tolako.5Nananga fahirani hanohisy anahy Izy, dra nihodidigny raha mafaisy vo raha sarosy zaho. 6Nametraky anahy tao amin'ireo toera mezy, manahaky reo ze fa maty fa ela Izy. 7Nananga fefy nagnodidy anahy Izy dra sy afaky nilefa Zaho. Nahiny mavesatry reo rozoko8 vo ndre dra mitoka fatrasy vo mitoka vonzy aza zaho, dra ampisigniny gny fivavako.9Nibahagnany tamin'gny fefy vita tamin'gny vato voapaiky gny lalako; nahiny ho meloky gny lalako. 10Manahaky gny bera miamby hanafiky anahy tapoky izy, liona ao amin'gny fivoniany; 11naviony gny lalako, nahiny nitoka-mony zaho.12Nagnenza gny sipikiny Izy dra nemetraky anahy manahaky gny kendrin'gny zana-sipikiny. 13Nandefo gny voako tamin'ireo zana-sipikiny tao amin'gny fitoeran'izeho Izy. 14Nazary tahirim-pihomeheza ho an'gny oloko aby zaho, rahany gny fagnesoan'ereo totolo andro. 15Nifenony fangilia zaho dra nisereny hino raha mahafaty.16Nitorotoroiny tamin'gny sila-bato gny nifiko; natosikiny tao agnaty botany zaho. 17Nala tamin'gny fiadagna gny fagnahiko; alignoko gny ahy ho hafalia. 18Ka dra ho zaho ho: ''Levo gny fahretako vo manahaky anizeho koa gny fagnatenako amin'i Yaveh."19Sarovy gny fahoriako vo gny firerirerieko, gny raha mahafaty vo raha mafaisy. 20Saroako avy zeho sady mitagnondriky ao agnatiko zaho. 21Fa saroako zaho ka dra mana fagnatena zaho.22Gny fitiava sy miovan'i Yaveh dra sy misy fisahara sady sy misy fiafarany gny fangoraham-pony, 23vaovao isaky maraindrau reo; lahibe gny fahatokianiha. 24" Yaveh gny lovako," ho zaho, noho zaho dra hagnatena Anazy zaho.25Yaveh dra soa ho an'ireo ze miamby Anazy, ho an'ireo ze mitalia Anazy. 26Soa gny miamby amim-pahangina gny famonzen'i Yaveh.27 Soa ho an'gny olo gny handesany gny zioga tamin'gny fahatanorany. 28Aoky izy hitoboky raiky amim-pahangina, nofa atoboky aminazy eo zeho. 29Aoky izy hametraky gny vavany egny amin'gny botany--- vasa hisy gny fagnatena.30Aoky izy hagnome gny fifiny an'ize mizera anazy, sady aoky ho feno fahafaham-baraka izy. 31Fa sy handa asika mandrakizay gny Tompo,32 fa ndre dra mahavy alahelo aza izy, dra hana fangoraham-po araky gny hamaroany gny fitavany sy mivaliky. 33Akory sy mapahory gny ao am-pony na mapizaly reo zanak'olombelo Izy.34Gny magnisakisaky reo voafonza aby eto an-tany, 35gny fefy gny rariny ho an'gny olo eo agnatrehan'gny Avo Indrindra, 36gny fefy gny rariny ho an'gny olo raiky--- dra sy eken'gny Tompo gny raha manahaky anizeho!37Ia gny nizaka dra nitranga anizeho, no sy nagneky anizeho Yaveh?38 Sa sy lat'amin'gny vavan'gny Avo Indrindra se gny hiavian'ireo loza vo gny soa? 39Akory gny hitaraignan'gny olo velo aby? Akory gny hahafahan'gny olo mitaray mahakasin'gny sazin'ireo fahotany?40Ndao sika handiniky reo lalasika dra hisapa andreo, dra ndao sika hihery agny amin'i Yaveh. 41Ndao sika hanandrasy gny fosika vo gny tagnasika amin'Agnahary agny an-dagnisy ho: 42" nandika sady nikomy zahay, dra sy namela heloky hanao. 43Nandrakosy gny vataniha tamin'gny hahoria Hanao sady nagnitriky anay, namono Hanao sady sy namindra fo.44Nandrakosy gny vataniha tamin'gny raho Hanao so sy hisy vavaky afaky ho tafilisy. 45Nahiniha manahaky gny lo maloto sady nilavy teo amin'ireo firene zahay. 46Magnozo anay reo fahavalonay aby, 47avy taminay gny tahosy vo gny fandriky, gny faharava vo fahapoteha.48Mikoria rian-dranomaso reo masoko akory rava gny oloko. 49Handrasa-dranomaso sy misy fisahara, sy misy fihatoa reo masoko, 50mandra-pagneteny ambany dra hahita lat'egny an-dagnisy Yaveh.51Miteraky alahelo ho anahy gny masoko noho reo zanakapelan'gny tanako aby. 52Nohazain'ereo fahavaloko manahky gny voro zaho; nohazain'ereo tamin'gny sy misy antony. 53Natorak'ereo tao agnaty lavaky zaho dra nitorahin'ereo vato, 54dra niraraha rano gny lohako. Ho zaho ho: " ho faty zaho!"55Nitoka gny agnaraniha, lat'ao amin'gny halalikin'gny lavaky zaho, ry Yaveh. 56Reniha gny feoko nofa nizaka zaho ho: " Ka mitapy gny sofiniha amin'gny toka vonziko." 57Nagnariny Hanao tamin'gny andro nitokavako Aniha; ho Hanao ho: "Ka matahosy."58Tompo o, niaro gny aliko Hanao, nagnavosy gny aiko Hanao! 59Ry Yaveh, hitaniha gny rasy nahin'ereo taminahy; sarao gny aliko. 60Hitaniha gny fagnirasiran'ereo, gny teti-drasy aby nahin'ereo taminahy--- 61reniha gny latsan'ereo, ry Yaveh, vo gny tetik'ereo aby taminahy.62Gny sognin'ereo ze misanga manohisy anahy, vo gny fiapangan'ereo, dra avy mandrisy gny totolo andro. 63Atio gny fomba fitobokin'ereo vo fisanganany boakeo; magneso anahy amin'gny hirany ereo.64Valio arak'ize nahiny ereo, ry Yaveh. 65Ho ahiniha sy megnasy gny fon'ereo! Ho amin'ereo eo ra gny fagnamelohaniha! 66Magnitriky andreo amin-kahoria Hanao sady mamotiky andreo ao ambanin'gny lagnisy, ry Yaveh!
Chapter 4

1Fa nazary maloto gny volamena; endrey gny fiovan'gny volamena malio loasy! Reo vato masy dra niparitaky tegny an-zorondala aby. 2Reo zanaky sarobidin'i Ziona dra maeva gny lanzan'ereo amin'gny volamena malio, fa amizao ereo dra sy maeva noho reo siny tanimanga, asa-tagnan'ireo panefy tanimanga ereo!3Ndre gny amboahaolo aza manolosy gny tratrany so hapinonoa reo zanany, fe gny zanakapelan'gny oloko dra fa nazary lozabe, manahaky gny ostritsa agny amin'gny tany efisy.4Gny lelan'gny zaza minono dra mirekiay amin'gny lagnilagniby noho gny hetaheta; mangataky sakafo gny ankizy, fe sy misy ho andreo. 5Reo ze nihina sakafo lafo vily amizao dra mosare egny an-dala; reo ze nibeazy nitafy akazo voloparasy, dra mandry egny amin'gny fako misavoa amizao.6Gny fatrokafa gny zanakapelan'gny oloko dra lahibe noho gny an'i Sodoma, fa nirava tao agnatin'gny fotoa fohiky zeho sady sy nisy nanandra-tagna so hagnapy anazy.7Reo pitariky anazy dra nalio kokoa noho gny oram-panala, fosy kokoa noho gny ronono; gny vatan'ereo dra mena midorihisy noho gnyharan-dranomasy, gny vatan'ereo dra manahaky gny safira. 8Gny tarehin'ereo amizao dra mezy noho gny molaly; sy fatasy egny an-dala ereo. Gny holis'ereo dra nirekisy tamin'gny tolan'ereo; nazary maiky mananaky gny hazo zeho.9Reo ze novono tamin'gny mesa dra sambasy kokoa noho reo ze matin'gny haresea, ze osa, nolefony tamin'gny sy fahapian'gny vokasy lat'agny an-saha. 10Gny tanan'ereo apela malemy fagnahy dra fa nahandro reo zanany avo; lasa sakafon'ereo nandrisy gny fotoa nandrava gny zanakapelan'gny oloko ereo.11Naneho gny hahoriany aby i Yaveh; nandrosaky gny hahoriany masiaky Izy. Nandrehisy afo tao Ziona so handevo gny fiorenany Izy.12Sy nino reo pazakan'gny tan, drs sy nino gny ponin'izeho totolo zeho, fa afaky nilisy tamin'ireo vavahadin'i Jerosalema reo fahavalo na panohisy. 13Nitranga zeho noho gny fahotan'ireo paminaniny vo gny helok'ireo pisorony ze fa nandasaky gny lion'gny mary agnivony tao.14Nirerirery, poaky, tegny amin'ireo lala ereo. Tena voaloto loasy tamin'izeho lio zeho ereo dra sy nisy nanenga so hikasiky gny akazon'ereo.15"Miala! ry Maloto!" ho gny kiakinan'gny olo tamin'ereo. "Miala! Miala! Ka mikasiky!" Ka nirerirery ereo; ho gny vahoaky teo amin'ireo firene ho: "Sy mahazo mizano eto sasy ereo."16Yaveh mihisy gny nagnaparitaky andreo; sy nagnety endreo sasy Izy. Sy magnome voninahisy reo pisoro ereo, sady sy naneho sitraky tamin'ireo loholo.17Pahy gny masonay, miamby vasoky ze hagnapy anay; lat'amin'ireo tilikambo fiambenanay gny nagnetenay gny firene ze sy afaky namonzy anay. 18Nagnaraky reo lianay ereo, sy afaky nandeha tamin'ireo lalanay zahay. Mariny gny fiafaranay dra sady voaisa reo andronay, fa ho avy gny fiafaranay.19Gny pagnitriky anay dra malaky fandehana noho reo voromahery egny an-dagnisy. Nagnitriky anay tegny an-tendrombohisy ereo dra nanao otriky ho anay tagny an-tany efisy. 20Gny fofonay eo amin'gny vavoronay dra--- gny voahosos'i Yaveh--- Izy gny voasambosy tao an-davak'ereo; gny nizaka ho: " Ao ambanin'gny alony gny hahavelo anay amin'gny firene aby."21Mifalia sady miravoravoa, ry zanakapelan'i Edoma, hanao ze mitoboky agny amin'gny tanin'i oza. Fa ho aniha avo koa gny handrosoa gny kapoaky; ho mamo hanao sady hapiborida gny vataniha.22 Ry zanakapelan'i Ziona, fa hifara gny fatrokafa aniha, sy hagnitasy gny sesitaniniha Izy. Fe ry zanakapelan'i Edoma, hagnafay Izy; sy hagnasaro reo fahotaniha izy.
Chapter 5

1Tadidio, ry Yaveh, ze nahazo anay, atio sady diniha gny fahafaham-barakanay. 2Nafindra ho an'ireo vahiny gny lovanay; gny fasangenay ho an'ireo hafa firene. 3Nizary kamboty zahay, kamboty ra, vo gny reninay dra manahaky gny panday vata.4 Sy mainsy mandoa volafosy ho an'gny rano inominay zahay, sady sy mainsy mandoa volafosy vo mahazo gny vasianay.5Reo ze magnitriky anay dra mariny afaranay; rokaky zahaysady sy mahita fisahara. 6Fa nanolo-bata ho an'i Egypta vo Asyriana zahay so hahazoa sakafo sahaza. 7Nanota reo razambenay, dra sy eo sasy ereo, vo zahay gny mizaka gny helok'ereo.8Reo andevo gny manzaka eo aminay, dra sy misy hagnafaky anay eo an-tagnan'ereo. 9Manao soro gny ainay zahay vo mahazo gny mofonay, nohon'gny mesa agny an'efisy. 10Niha-nahama manahaky gny fatagny gny holisinay nohon'gny hahoria miredareda.11Voaolaky reo apela tao Ziona, vo reo viriziny tao amin'ireo tanan'i Joda. 12Nahanto tamin'gny tagnany avo reo andriandahy, dra sy nomem-boninahisy reo loholo.13Nitere hikosoky vary tamin'gny fikosoham-bary reo tovolahy, vo reo ankizy lahy dra mivembe milanza hazo. 14Niala teo amin'gny vavahadin'gny tana reo loholo, dra nanenga gny raha magnenon'ereo gny tovolahy.15Nizano gny hafaliam-ponay sady niova ho fandala gny dihinay. 16Nilasaky lat'egny an-dohanay gny satro-boninahisy; loza ho anay, akory nanota zahay!17Noho zeho dra nazary narary gny fonay, sady nazary pahy gny masonay, noho reo raha reo dra nazary pahy gny masonay, 18akory gny tendrombohis'i Ziona nitoka-mony, zay misy amboahaolo mikarenzy eo aminazy.19Fa Hanao, ry Yaveh, dra manzaka mandrakizay, vo Hanao dra hitoboky eo amin'gny seza fiandriananiha hatramin'gny taranaky fara-mandimby. 20Nagnino zahay gny alignoniha mandrakizay? Nagnino Hanao gny mahafo anay mandrisy gny andro maro? 21Aheregno Aminiha zahay, ry Yaveh, dra hihery. Avaozy manahaky gny taloha gny andronay--- 22no sy ho fa nilaviniha tateraky zahay dra tena ory loasy aminay Hanao.

Ezekiel

Chapter 1

1Tamin'gny tao faha telopolo, gny vola fahaefasy, vo andro fahadimin'gny vola, dra izahoky gny niseho gny bo nizano teo amin'ereo babo teo marinin'gny Lakan-drano Kebara zaho. Nisokasy gny lagnisy, dra nahita fahita boak'amin'Agnahary zaho.2Tamin'gny andro fahadimin'gny vola zay---tamin'gny tao fahadimy nanaova sesi-tany an'i Joiakima pazaka---3dra avy tamin'i Ezakiela zanadahin'i bozy pisoro gny zakan'i Yaveh, tao amin'gny tanin'ereo Kaldeana marin'gny Lakan-drano Kebara teo, vo gny zakan'i yaveh dra taminazy teo.4Dra nagnety zaho, vo nisy tafio-drivosy boak'agny avarasy; nisy raho lahibe misy afo miselselasy vo hazava magnodidy anizay vo agnatin'izay tao, vo gny afo dra miloko volontany manopy mavo tao agnatin'gny raho.5Teo agnivony dra nisy tarehy raha-managn'ay efasy. Zao gny tarehiny: nitarehy olo reo,6fe dra samby nana tarehy efasy aby ereo, vo reo raha-manag'ay kiraidraiky dra samby nana elasy efasy aby.7Nahisy gny tombon'ereo, fa gny faladiany dra manahaky gny kitron-zanak'agnomby zay namirasy manahaky gny saba mangira.8Fe nana tagnan'olombelo tao ambany elasiny ereo tamin'gny lafiny efasy aby. Tamin'izy efasy, dra manahaky aniziho gny tarehiny vo elasiny:9gny elas'ereo dra nifapikasiky tamin'gny elasy gny raha-managn'ay teo agnilany, sady sy niheriky ereo no fa nandeha; fa kosa samby mandeha mahisy.10Gny andriky gny tarehin'ereo dra manahaky gny endrik'olombelo. Gny ilany akavanan'gny tarehin'gny efasy tamin'ereo dra niendriky liona, vo gny ilany akavian'gny tarehin'gny efasy tamin'ereo dra niendriky agnomby. Ereo efasy avo koa dra nana endriky voromahery.11Manahaky anizay gny endrik'ereo, vo gny elasiny dra nivelasy ambony dra samby nana elasy ro aby reo raha-managn'ay reo zay nifapikasiky tamin'gny elasy gny raha-managn'ay hafa, vo elasy ro avo koa zay nandrakosy gny vatan'ereo.12Samby nizosy nagn'aloha ereo, koa ndre teza ndre teza nindesan'gny Fagnahy an'ereo dra nandehanany, nandeha sy niheriky ereo.13No gny endrik'riho raha-managn'ay, dra manahaky gny bakafo magnoro gny fahita anazy, manahaky gny endriky gny fanilo; nisy afo mamirapirasy avo koa nisamiasamia isaky gny raha-managn'ay, vo nisy elasy.14Reo raha-managn'ay dra nikisaky mandroso mihemosy malaky ddra malaky, vo nana endriky manahaky gny selasy ereo!15Vo nagnety tagny amin'riho raha-managn'ay zaho; nisy kodia raiky teo amin'gny tany teo agnilan'riho raha-managn'ay.16Zao gny fahita vo firafis'ireo kodia: samby manahaky gny krysolita reo kodia, vo samby nana endriky sahala ereo efasy; gny endrik'ereo vo gny firafisiny dra manahaky gny kodia mifapilisy.17Gny fa nige reo kodia, dra nandeha sy nivily tamin'gny lala-kizorany ze natrehan'reo raha-managn'ay ereo.18Gny amin'gny sisiny, dra abo sady mapatahosy ereo, akory feno maso magnodidy.19Isaky gny mikisaky reo raha-managn'ay dra mige agnilany reo kodia. Gny fa nienga tamin'gny tany reo raha-managn'ay dra nienga avo koa reo kodia.20Ndre eza ndre eza tian'gny Fagnahy handehana, dra nandehan'ereo, vo nienga ami'ereo teo gny kodia, akory gny fagnahin'ireo raha-managn'ay dra tao amin'gny kodia.21Gny fa nikisaky reo raha-managn'ay dra nikisaky avo koa reo kodia; vo gny fa mbo nizoro reo raha-managn'ay, dra nizoro reo kodia; gny fa nienga tamin'gny tany reo raha-managn'ay, dra nienga teo agn'ilan'ireo avo koa reo kodia, akory gny fagnahin'ireo raha-managn'ay gny tao amy reo kodia.22Teo ambon'gny lohan'ireo raha-managn'ay dra nisy endriky eloelo malalaky; miendriky manahaky gny volon'gny krystaly mahatalonzona mivelasy eo ambon'gny lohan'ireo zay.23Teo amban'gny eloelo dra samby nivelasy mahisy gny elas'ireo raha-managn'ay kirairaiky sady nifapikasiky tamin'gny elasy gny raha-managn'ay hafa. Reo raha-managn'ay dra samby nana elasy ro nandrakosy gny tegnany; samby nana ro bo handrakosy gny vatany.24Boakeo dra nahare gny fikopakopaky gny elas'ereo zaho. Manahaky gny feon'gny Tsitoha isak'ze nihesiky ereo. Manahaky gny feon'gny kotrok'ora. Manahaky gny feon-tafiky. Isaky gny nizoro ereo, dra napitily gny elasiny.25Nisy feo niboaky boaky tao amin'gny eloelo teo ambon'gny lohan'ereo gny mbo nisanga vo napitily gny elasiny ereo.26Teo ambon'gny eloelo teo ambon'gny lohan'ereodra nisy endriky seza fiandriana zay sahala gny vato safira gny fahita anazy, vo teo amin'gny niendriky seza fiandriana dra nisy manahaky gny lelahy gny fahita anazy.27Nahita sary miendriky metaly mamirapirasy misy afo tao agnatiny nanomboky teo amin'gny valahany gny ho miakasy zaho; nahita endriky afo vo hazava teo amin'gny valahany gny ho mizoso zaho.28Manahaky gny endriky avana ao agnaty raho amin'gny andro avy ora gny fahita gny ziro mazava magnodidy anizay. Endriky gny voninahis'i Yaveh zay. Gny fa nahita anizay zaho, dra nikarapoky niakohoky, vo nahare feo nizaka.
Chapter 2

1Ho Izy taminahy ho: " Ry zanak'olo, misangana; vo dra hizaka aminao Zaho."2Tafaran'izay, gny mbo nizaka taminahy Izy, dra nilisy tao agnatiko gny Fagnahy dra napisanga anahy, dra reko Izy mizaka aminahy.3Ho Izy taminahy ho: " Ry zannak'olo, mandefa anao ho agny amin'gny vahoakin'Israely Zaho, agny amy reo firene pikomy ze nikomy taminahy---ndre ereo ndrereo razambeny dra samy nanota taminahy mandrak'androany!4Mana endriky maheriloha vo fatrasy fo reo taranak'ereo. Magniraky anao ho agny amin'ereo Zaho, dra hizaka amin'ereo hanao ho: ' Zao gny zakan'gny Tompo Yaveh.'5Ndre ereo hiteno ndre ereo sy hiteno. Taranaky pikomy ereo, nefa farafahakeliny ereo hahalala fa paminany gny teo amin'ereo.6Hanao, ry zanak'olo, ka matahosy andreo na gny zakan'ereo. Ka matahosy, ndre dra misy silo aza hanao vo ndre dra miay mindray amin'gny maingoky aza hanao. Ka mifezaky amin'ny zakan'ereo na reki-tahosy amin'gny tarehin'ereo, akory taranaky pikomy ereo.7Fe hanao hizaka amin'ereo gny zakako, na hiteno ereo na sia, akory pikomy fatrasy ereo.8Fa hanao, ry zanak'olo. tenoy ze zakako anao. Ka ba pikomy manahaky rgny taranaky pikomy regny. Sokafy gny vavanao dra hano ze fa omeko anao!9Boakeo dra nagnety zaho, vo nisy tana nisosy teo aminahy; nisy horonan-taratasy voasorasy tao agnatin'izay.10Novelariny teo agnatrehako zay; samby voasorasy aby ndre gny anoloa ndre gny ambaliky, vo gny voasorasy teo amin'izay dra fitaregna, fandala, vo loza.
Chapter 3

1Dra ho Izy taminahy ho: " Ry zanak'olo, ze hitanao, dra hano. Hano tiky horonan-taratasy tiky, dra mandehana dra mizaka amin'gny akohon'Israely."2Dra nanokasy gny vavako zaho, dra nofahanany an'izay horonan-taratasy zay.3Ho Izy taminahy ho: " Ry zanak'olo, visigno gny trokinao dra fenoy amin'itiky horonan-taratasy ze nomeko anao tiky gny vavafonao!" ka dra nihina anizay zahi, dra mamy manahaky gny tately teo am-bavako zay.4Dra ho Izy taminahy ho: " Ry zanak'olo, mandehana agny amin'gny akohonan'Israely dra zakao amin'ereo gny zakako.5Fa sy halefa agny amin'gny vahoaky hafa fizaka hanao na fizaka sarosy, fa agny amin'gny akohonan'Israely---6sy agny amin'gny firene lahibe ze hafahafa fizaka vo sarosy fizaka ze sy ho azonao gny fizakany! Gny nandefa anao tagny amin'ereo Zaho, dra ho niteno anao ereo.7Fa gny zanak'Israely dra sy mbo vono gny hiteno anao, akory sy vonon-kiteno Anahy ereo. Noho zay gny zanak'Israely aby dra mafy handry vo fatram-po.8Ingo! Fa nagnamafy gny tarehinao manahaky reo tarehiny Zaho vo gny handrinao ho fatrasy manahaky gny handrin'ereo.9Nahiko manahaky gny diamondra gny handrinao, fatrasy noho gny afovato! Ka matahosy andreo handrareo na hakivin'gny tarehiny, akory taranaky pikomy ereo."10Dra nizaka taminahy izy ho: " Ry zanak'olo, reo zaka aby ze zakako aminao---rambeso ao aponao reo vo hatongilagno amy reo gny sofinao!11Boakeo mandehana agny amin'ireon babo, agny amin'ireo vahoakinao, dra mizaka amin'ereo. Zakao amin'ereo ho: ' Zao gny zakan'gny Tompo Yaveh, ' na hiteno ereo na sia."12Dra nanenga anahy gny fagnahy, dra nahare gny feon'gny horohoron-tany lahibe tafarako tao zaho: " Hisaora ane gny voninahis'i Yaveh boakeo amin'gny fitoerany!"13Zay dra feon'gny elas'ireo raha-managn'ay no mifapikasoky ereo, vo feon'gny horohoron-tany lahibe.14Nagnenga anahy gny faganahy dra nanday anahy, dra nandeha araky gny faisin'gny hahorian'gny fagnahiko zaho, fa gny tagnan'i Yaveh dra nanindry anahy tamin-kery!15Dra nagnagny amin'ireo babo tagny Telabiba zay nonina amin'gny moron'gny ony Kebara zaho, dra nizano teo amin'ereo nandrisy gny fito andro, ka heniky gny fahatalanzoa zaho.16Dra avy taminahy gny zakan'i Yaveh tafaran'gny hafitoa, manao ho:17" Ry zanak'olo, nahiko ho piamby ho an'gny akohonan'Israely hanao, dra mitenoa gny zaka boak'amin'gny vavako, dra omeo andreo reo fapitandremako.18Gny fa mizaka amin'gny rasy faganahy zaho ho: ' Ho faty vatany hanao' vo sy napitandry na mizaka fapitandrema gny rasy fagnahy mahakasik'ireo asarasiny bo ahafahany miay hanao--- dra ho faty nohon'gny fahotany gny rasy fagnahy,fa ho takeko amin'gny tagnanao gny liony.19Fa no napitandry gny rasy fagnahy hanao, ka sy miala amin'gny faharasiany na amin'ireo asa rasiny izy, dra ho faty amin'gny fahotany izy, fa hahavonzy gny ainao avo hanao.20No mivaliky amin'gny fahamarignany gny olo-mary raiky vo manao gny sy rariny, vo hametrahako vato fanafitohigna eo agnoloany, dra ho faty ereo. Akory sy napitandry anazy hanao, dra ho faty ao amin'gny fahotany izy, vo sy ho saroviko reo asa mary ze notaterahiny, fa takeko amin'gny tagnanao gny liony.21Fa no mapitandry gny olo-nary hanao ba hisahasy amin'gny fahota ka sy hagnota sasy izy, dra hiay vatany izy akory napitandremy; dra hahavonzy gny ainao avo hanao."22Ka teoaminahy gny tagnan'i Yaveh, dra ho Izy taminahy ho: " Misangana! mandehana miboaky agny amin'gny lohasaha, dra hiresaky aminao agny Zaho!23Nisanga zaho dra nandeha niboaky tagny amin'gny lohasaha, dra nitoesy teo gny voninahis'i Yaveh, manahaky gny voninahisy zay hitako marin'gny Lakan-drano Kebara teo; dra nagnondriky gny tarehiko zaho.24Nagnato anahy gny faganhy ka napisanga anahy tamin'gny tomboko; dra niresaky taminahy izy, nizaka taminahy ho: " Mandehana dra hilio ao an-tragnonao gny tegnanao,25fa amizao, ry zanak'olo, hametraky taly eo aminao ereo sady hamatosy anao ka sy afaky gny hiboaky ao amin'ereo hanao.26Hapiraketiko amingny lagnilagninao gny lelanao, ka hazary moa hanao, ka sy afaky hizaka fatrzsy andreo, akory taranaky pikomy ereeo.27Fa gny fa miresaky aminao Zaho, dra ho sokafako gny vavanao ka hizaka amin'ereo hanao ho: " Zao gny zakan'gny Tompo Yaveh: 'Gny raiky ze mahare dra hahare; gny raiky ze sy miteno dra sy hiteno, akory taranaky pikomy ereo!"
Chapter 4

1"Fa hanao, ry zanak'olo, managala biriky ho anao dra atoboho eo anoloanao zay. Bakeo dra atovy sokisy eo amin'izay gny tanan'i Jerosalema.2Dra manova fahirano hameleza anizay, vo magnoregna fefy hanohisy anizay. Manangana tovon-tany fanafiha hamely anizay vo mametraha toby magnodidy anazy. Ametraho andry vy fandrava magnodidy aanizay.3Boakeo dra mangala lapoaly vy ho anao dra apesao ho sahala gny fefy vy eo agnelagnelanao vo gny tana zay dra apagnatreho anizay gny tarehinao, fa hahy fahirano zay, vo hanao gny hanao fahirano anizay. Zay gny ho famatara amin'gny akohonan'Israely.4Boakeo, mandria amin'gny ilany akavianao dra apetraho eo amin'izay gny fahotan'Israely; hanao gny handay gny fahotan'ereo mandrisy gny isan'gny andro handrianao hanohidy gny akohon'Israely.5Zaho mihisy gny manaendry andro raiky bo hanehoa gny tao kirairaikin'gny famaiza andreo ho anao: 390 andro! Zay fomba zay, gny handesanao gny fahotan'gny akohonan'Israely.6No fa fenonao reo andro reo, dra mandria fagnindrony amin'gny ilanao havagna, fa handay gny fahotan'gny akohonan'i Joda mandrisy gny efapolo andro hanao. Manondro andro raiky ho an'gny tao kiraraiky ho anao Zaho.7Atodiho magnatriky an'i Jerosalema zay ahy fahirano gny tarehinao, dra maminania hanohisy anazy amin'gny sandrinao sy misaro.8Fa ingo! Mametraky fatora amiano Zaho bo sy hibadibadihanao amin'gny ilany raiky ho amin'gny hafa mandra-pahafenonao gny andro fahiranonao.9Mangala varim-bazaha, vary hordea, saramaso,tsiasisa, apemba, vo spelta ho anao; apetraho ao agnaty fagnisia raiky avo reo vo manova mofo ho anao araky gny isan'gny andro ze handrianao amin'gny ilanao. Mandrisy gny390 andro gny hihinananao anizay.10Gny hany ze hohaninao dra ho lanzan'gny sekely ropolo isan'andro, dra hohaninao amin'gny fotoa voatondro isan'andro aby zay.11Dra hino rano hanao, ze nafatry tamin'gny apehenin'gny hina, vo hinominao amin'gny fotoa voatondro avo koa zay.12Hohaninao manahaky gny mofomamy vita amin'gny vary hordea zay, fe ho indazinao amin'gny hita dikin'olo amason'ereo eo!"13Fa ho Yaveh ho: " Midika zay fa gny mofo ze hohanin'gny vahoakin'Israely dra haloto, agny amin'ireo firene za handroahako andreo."14Fa ho zaho ho: " Indrisy, ry Tompo Yaveh! Sy bo naloto mihisy zaho! Sy bo nihina na raha maty na raha matin'gny biby, nanomboky tamin'gny fahatanorako ka hatramin'izao zaho, vo sy bo nilisy gny vavako dny hena maloto!"15Dra ho Izy taminahy ho: "Ingo! Nomiakotain'agnomby hanao ho solon'gny dikin'olo bo hahafahanao mikarakara gny mofonao eo amin'izay."16Ho avo koa Izy taminahy ho: "Ry zanak'olo! Ingo! Tapahiko gny famasia mofo ao Jerosalema, dra hihina mofo ao apizara anizay amin'gny tahosy ereo sady hino rano apizara anizay amin'gny fangovita.17Akory hizaly mofo vo rano ereo, dra hihorohoro amin'gny rahalahiny gny olon'aby vo hihavelo nohon'gny helok'ereo."
Chapter 5

1" Boakeo hanao, ry zanak'olo, mangala mesa maragnisy manahaky gny fagnarata volombava ho anao, dra apandalovy amin'gny lohanao vo gny volombavanao gny fagnarata, boakeo alao gny mizana bo handanza vo hagnasaraha gny volonao.2Oroy amin'gny afo eo agnivon'gny tana gny apahatelon'izay gny fa tateraky reo andron'gny fahirsno, vo alao gny apahatelon'gny volo ka tapaho amin'gny mesa magnodidy gny tanan'aby zay. Dra aparitaho amin'gny rivosy gny apahatelon'izay, dra hamoaky mesa hagnezeha reo vahoaky Zaho.3Fa mangala isam-bolo kelikeliky amin'ireo ka fotory amin'gny sisin'akazonao reo.4Boakeo dra mangala volo maromaro kokoa dra atoraho eo agnivon'gny afo zay; fa hisy afo hiboaky boakeo ho agny amin'gny akohonan'Israely aby."5Zao gny zakan'gny Tompo Yaveh: " Tiky gny Jerosalema eo agnivon'ireo firene, zay nametrahako anazy, vo nagnodidiako anazy tamin'gny tany hafa.6Kanefa nanda gny lalako tamim-paharasia mihoasy ze anagnan'gny firene izy, vo gny liliko mihoasy reo tana ze magnodidy anazy. Fa nanda gny fisarako gny vahoaky sady sy nandeha tamin'gny lalako."7Noho zay dra zao gny zakan'gny Tompo Yaveh: " Akory hanao manahira kokoa noho reo firene ze magnodidy anao vo sy nandeha tamin'gny lalako na niasa araky gny liliko, na niasa arak'ireo lilin'gny firene ze magnodidy anao,"8noho zay dra zao gny zakan'gny Tompo Yaveh: "Ingo! Hiasa hanohisy anao Zaho. Hagnatateraky fisara eo agnivonao Zaho ba ho haten'ireo firene.9Hahiko aminao ze sy bo nahiko vo gny sahala amin'izay dra sy hahiko sasy, noho reo asa maharikorikonao aby.10Noho zay dra hihina gny zanaky eo agnivon'gny ray, vo reo zanaky hihina gny babany, akory hagnatateraky fisara eo amindrareo Zaho sady hapiely andrareo aby ze tavela ho amin'gny lala aby.11Noho zay, gny bo velo koa Zaho---zay gny fagnambaran'gny Tompo Yaveh---zay dra akory nandoto gny fitobohako masy vatany hanao mindray amin'ireo raha maharikoriko vo reo asandrareo maharikoriko aby, fa Zaho mihisy gny hapihe isa andrareo; sy hana feregnay amindrareo gny masoko, vo sy hissisy andrareo Zaho.12Gny apahatelondrareo dra ho fatin'gny arety mandripaky, vo ho fatin'gny mosary eo agnivonao ereo. Gny apahatelony dra ho azeran'gny mesa magnodidy anao. Vo boakeo dra hagnaparitaky gny apahatelony amin'gny lala aby egny Zaho, vo hagnaboaky mesa hagnenzeha andreo avo koa.13Vo dra ho tateraky gny hahoriako, dra hahavy gny hahoriako eo amin'ereo Zaho ba hizano. Ho afa-po Zahi, dra ho fatan'ereo fa Zaho, Yaveh, dra fa niresaky tamim-pahasosora gny fa nahatateraky gny hahoriako tamin'ereo Zaho.14Hahiko ho faharava vo fahafaham-baraka eo amin'gny firene magnodidy anao hanao eo amason'gny olon'aby ze mandalo.15Dra hazary raha fagnameloha vo fagnirasira ho an'gny olo hafa i Jerosalema, fapitandrema vo fapihorohoroa ho an'ireo firene ze magnodidy andrareo. Hagnatateraky gny fisara hanohisy anao am-pahoria vo am-pahavignira, vo am-pizaka fatrasy Zaho---Zaho, Yaveh dra fa nizaka anizay!16Handefa sipiky fatrasin'gny mosary hanohisy andrareo Zaho zay hazary antony hanimbako andrareo. Fa hapitombo gny mosary eo amindrareo Zaho sady hanapaky gny famasia mofondrareo.17Handefa mosary vo loza hanohisy andrareo Zaho ka sy hanan-zanaky handrareo. Gny areti-mandripaky vo gny lio dra handalo amindrareo, vo handay gny mesa hamely andrareo Zaho--- Zaho, Yaveh, gny fa nizaka anizay."
Chapter 6

1Avy taminahy gny zakan'i Yaveh, nanao ho:2" Ry zanak'olo, ahivo magnatriky an'ireo tezovohis'Israely gny tarehinao dra mifata amin'ereo.3Zakao ho: 'Ry tezovohis'Israely, tenoy gny zakan'gny Tompo Yaveh! Zao gny zakan'gny Tompo Yaveh amin'ireo tezovohisy vo amin'ireo havoa, amin'ireo lakan-drano, vo amin'ireo lohasah: Ingo! Manday mesa manohisy andrareo Zaho, sady handrava reo fitoboha abondrareo.4Dra ho lao reo alitarandrareo vo ho rava reo andrindrareo, sady hariako magnolloa reo sapin'ereo gny fatindrareo.5Hametraky gny fatin'gny zanak'Israely eo agnoloan'gny sapin'ereo Zaho, sady hagnaparitaky gny taolandrareo magnodidy gny alitarandrareo.6Ndre eza ndre eza ipetrahandrareo, dra ho foa reo tana sady haonga reo fitoboha abo, dra ho foa gny alitarandrareo sady ho lao. Dra ho potiky ereo sady hazavo, hahomaky reo andrindrareo vo ho fafa reo asandrareo.7Ho lavo eo agnivondrareo gny faty dra ho fatandrareo fa Zaho gny Yaveh.8Fa hihazo sisa eo amindrareo Zaho, vo hisy sasany ho tafasoaky amin'gny mesa eo amin'gny firene, gny fa miely eraky gny tana handrareo.9Boakeo ereo ze nilefa hamesivesy Anahy eo amin'ireo firene ze hihazoa andreo ho babo, fa Zaho dra malahelo tamin'gny fivalibalihan'gny fon'ereo ze nivaliky taminahy, vo tamin'gny mason'ereo ze nizangazanga nagnaraky reo sapin'ereo. Dra hapiseho rikoriko egny amin'gny tarehin'ereo tamin'gny faharasia ze nahin'ereo niaraky tamin'gny fahavetavetany aby ereo.10Ka dra ho fatan'ereo fa Zaho gny Yaveh. Zay gny atony nizakako fa handay taho rasy tahoky eo amin'ereo Zaho.11Gny Tompo Yaveh mizaka izao: Mitehafavo azadony gny tombondrareo! Zakao ho: 'Indrisy!' nohon'gny fahavetaveta rasin'gny akohonan'Israely aby! Fa hazeran'gny mesa, mosary, vo areti-mandripaky ereo.12Ze lavisy dra ho fatin'gny areti-mandripaky, vo gny mariny hazeran'gny mesa. Reo sisa vo bo velo dra ho fatin'gny mosary. Hagnatateraky gny hahoriako amin'ereo amin'gny alalany Zaho.13Dra ho fatandrareo fa Zaho gny Yaveh, gny fa gny fatin'ereo gny hipasy eo amin'gny sapin'ereo, magnodidy gny alitaran'ereo, egny amin'gny tany havoa aby---ambonin'ireo tezon'gny tezovohisy aby, vo ambanin'gny hazo misandrahaky aby vo hazo terebinta matevy---reo toera ze nagnoroan'ereo ditin-kazo magnisy ho an'ireo sapin'ereo aby.14Hamely amin'gny tagnako Zaho sady hametraky gny tany ho lao vo foa, boakagny amin'gny tany efisy ka hatragny DIbla, manera gny toera aby ze itobohan'ereo. Dra ho fatan'ereo fa Zaho gny Yaveh."
Chapter 7

1Avy taminahy gny zakan'i Yaveh, manao ho: 2" Hanao, ry zanak'olo---zao gny zakan'gny Tompo Yaveh amin'gny tanin'Israely." 'Farany! Avy amin'ireo vaza-tany efasy gny farany.3Amizao dra eo aminao gny farany, akory handefa gny hahoriako aminao Zaho, vo hisara anao araky reo fombana; vo hinday reo fahavetavetanao aby eo aminao Zaho.4Fa sy hiferegnay anao gny masoko, vo sy hamindra fo anao Zaho. Fa kosa, handesiko eo aminao reo fombanao, vo ho eo agnivonao reo fahavetavetanao, dra ho fatasinao fa Zaho gny Yaveh.5Zao gny zakan'gny Tompo Yaveh: Loza! Loza sy misy sahala aminizay! Ingo, ho avy zay.6Ho avy vatany gny farany. Nifoha hanohisy anao gny farany. Ingo, avy zay?7Ho avy aminao zay monina amin'gny tany gny fiafara rasinao. Avy gny foto; fa mariny gny andron'gny faharava, vo reo tezovohisy dra sy ho faly sasy.8Vo sy ho ela dra handraraky gny hahoriako aminao vo hameno gny havignirako aminao Zaho gny fa hisara anao araky reo fombanao vo hinday reo fahavetavetanao aby eo aminao Zaho.9Fa gny masoko dra sy hagnety am-pangoraha, vo sy hamindra fo anao Zaho. Araky ze nahinao, gny ho ahiko aminao; vo reo fahavetavetanao dra ho eo agnivonao ka hahafatasy hanao fa Zaho gny Yaveh, gny raiky magnasazy anao.10Ingo, gny andro! Ingo, avy zay! Ho avy gny fiafara rasy! Mandrobo gny rasa-kazo, misimoky gny avognavo!11Nitombo teo amin'gny rasa-kazon'gny faharasia gny herisetry---sy misy amin'ereo, vo sy misy amin'gny vahoak'ereo, sy misy amin'gny harenany, vo sy misy amin'ireo manan-danzan'ereo haharisy!12HO avy gny fotoa; fa mariny gny andro. Ka enga hifaly gny pivily, na gny pivarosy handala, akory eo amin'gny vahoaky aby gby hahoriako!13Fa gny Pivarosy dra sy hapihery mandrakizay ze fa lafo, gny bo velo koa ereo, akory manohisy gny vahoaky aby gny fahita. Sy hihery ereo, akory sy misy olo mivelo amin'gny fahotany ho atanzahy.14Nisoky gny asiva ereo sady nagnoma gny raha aby, fe sy misy miroso bo hialy; akory amin'gny vahoaky aby gny hahoriako.15Gny mesa dra atany agny, vo gny areti-mandripaky vo gny mosary dra ao agnatin'gny tragno be. Ereo ze agny an-saha dra ho fatin'gny mesa, no hanimba ereo ao amin'gny tana kosa gnny mosary vo gny areti-mandripaky.16Fa ereo sisa velo sasany dra hilefa boakeo amin'ereo, dra ho agny an-tezovohisy ereo. Manahaky reo voromailala egny amin'gny lohasaha dra hitolokoloko ereo aby--- gny olo kirairaiky nohon'gnyhelony aby.17Hiozongozo gny tana aby vo hamely manahaky gny rano gny lohaliky aby,18Vo hanao akazo fandala ereo, vo hagnaro andreo gny horohoro; vo ho eo amin'gny tarehy aby gny hegnasy, vo gny fahasola ho amin'gny lohan'ereo aby.19Hanoraky gny volafosin'ereo egny amin'gny lala ereo vo gny volamenan'ereo dra hanahaky gny fako. Gny volafosy vo gny volamenan'ereo dra sy ho afaky hagnavosy andreo amin'gny andron'gny hasosoran'i Yaveh. Sy ho voavomzy gny ain'ereo, vo sy ho voky gny hamosarin'ereo, akory gny helony dra nazary vato manafitohy.20Amin'gny avognavony gny hangalan'ereo firavany voaravaky, vo amin'ireo gny hanaovan'ireo gny sary fahavetavetan'ereo, vo reo raha maharikorikon'ereo. Noho zay, dra havaliko ho raha maloto aminazy riho raha riho.21Boakeo dra hatolosiko ho babo eo an-tagnan'ireo vahiny vo ho babo eo amin'gny rasy fagnahin'gny tany riho raha riho.22Dra hamaliky gny tarehiko amin'ereo Zaho gny fa mandoto gny toera sarobidiko ereo; hilisy ao reo dahalo dra handoto anizay.23Manaova rozo, akory gny tany dra feno gny fisaran'gny lio, vo gny tana dra feno herisetry.24Koa hinday reo rasy fagnahy fatrasy amin'ireo firene Zaho, vo gny fanagnan'ereo gny tragnony, dra hanapisy gny avognavon'gny mahery Zaho, fa ho voaloto reo toera-masin'ereo!25Ho avy gny tahosy! Hitalia fiadagna ereo, fe sy hisy zay.26Loza miapy loza gny ho avy, vo hisy saho miapy saho. Dra hiotalia fahita boak'amin'gny paminany ereo, fe gny lalana dra ho simba boakeo amin'ireo pisoro vo gny torohevisy boak'amin'ireo zokiolo.27Gny pazaka dra handala vo gny andrian-dahy hisiky famoiza-po, gno toa ka hangovisy gny tahosy gny tanan'ireo vahoakin'gny tany. Araky gny fomban'ereo avo gny hanovako anizay amin'ereo! HIsar andreo araky gny fahiny Zaho mandra-pahafatas'ereo fa Zaho gny Yaveh."
Chapter 8

1Vo tamin'gny tao faheny vo gny vola fahaeny, tamin'gny andro fahalimin'gny vola, gny nitoboky tao an-tragnoko zaho vo reo loholon'i Joda nitoboky teo agnoloako, dra nilasaky teo aminahy tao ndraiky gny tagnan'gny Tomp Yaveh.2Dra nagnety zaho, vo ingp, nisy endriky lelahy. Nisy afo nanomboky teo amin'gny andilany mizoso. Vo nanomboky teo amin'gny andilany miakasy dra niendriky raha mamirapirasy, manahaky gny vy manzelasy.3Vo naninzisy miendriky tagna izy dra nandramby anahy tamin'gny volon-dohako; nanondrosy anahy teo agnivon'gny tany vo gny lagnisy gny Fagnahy, vo tamin'ireo fahita boak'amin'Agnahary, gny nandesany anahy tagny Jerosalema, teo amin'gny filira agnatin'gny vavahady avarasy, zay nizoroan'gny zapy ze nihansy asarotapiaro lahibe.4Vo ingo, gny voninahisin'gny Zagnaharin'Israely dra tao, araky gny fahita zay hitako teo amin'gny tany lemaky.5Vo ho izy taminahy ho: " Ry zanak'olo, asandrato magnavarasy gny masona." Ka dra nasandrasiko magnavarasy gny masoko, vo teo avarasy gny vavahasy magneo amin'gny alitara, teo amin'gny filira, gny sapin'gny asarotapiaro.6Dra ho izy taminahy ho: " Ry zanak'olo, mahita ze ahin'ereo se hanao? Reo dra fahavetaveta lahibe ze ahin'gnyakohonan'Israely eto bo hapiala lavisy anahy amin'gny fitoerako masy. Fa hitoliky hanao vo hahita fahavetaveta lahibe lavisy aza."7Boakeo dra nandesiny teo am-baravaran'gny kianza zaho, vo nagnety, dra nisy lavaky raiky teo amin'gny rindry.8Ho izy taminahy ho: " Ry zanak'olo, lavao iho rindry iho." Dra nandavaky gny rindry zaho, dra nisy vatragnara.9Vo ho izy taminahy ho: " Mandehana dra atio gny fahavetaveta mahasiravy ze ahin'ereo ato."10Koa nilisy zaho vo nagnety, vo ingo! Nisy karazan-draha mandaly vo biby mahasiravy! Gny sapin'gny akohonan'Israely aby dra voasokisy tamin'gny rindry magnodidy aby.11Nisy loholon'gny akohonan'Israely fitopolo tao, vo Jazania zanadahin'i Safana dra nizoro teo agnivon'ereo. Nisanga teo agnoloan'ireo sarin-draha ereo, vo gny lelahy kirairaiky dra samby nanday gny fandesa afony tegny atagnany aby ba hapiakasy gny fofon-setroky gny ditin-kazo magnisy.12Ho isy taminahy: " Ry zanak'olo, hitanao se gny ahin'ireo loholon'gny akohonan'Israely ao amin'gny mezy/ Gny kiraraiky dra samby manao anizay ao amin'gny efisy mivon'gny sapiny, fa ho ereo ho: 'Sy mahita asika Yaveh! Fa nafoin'i Yaveh gny tany."'13Vo ho izy taminahy: " Mitoliha ndraiky dra atio reo fahavetaveta lahibe hafa ze ahin'ereo."14Boakeo nandesiny nagnao amin'gny vavahady filira ao an-tragnon'i Yaveh zay teo amin'gny lafiny avarasy zaho, vo ingo! Nitoboky nandala an'i Tamoza tao reo apela.15Dra ho izy taminahy: " Hitanao se zao, ry zamak'olo? Mitoliha ndraiky dra atio hatramin'gny fahavetaveta lahibe noho reo aza."16Nandesiny tao amin'gny kianza agnatiny tao an-tragnon'i Yaveh zaho, vo ingo! teo amin'gny filira tao amin'gny tepolin'i Yaveh teo agnelagnelan'gny lavaranga vo gny alitara, dra nisy lelahyteo amin'gny dimy amby ropolo teo ho eo nagnome lambosy gny tepolin'i Yaveh vo niasinagna gny tarehin'ereo, dra nanopo gny masoandro ereo.17Ho izy taminahy ho: " Hitanao se zao, ry zanak'olo? Moa se raha keliky ho an'gny akohonan'i Joda gny fanova reo fahavetaveta zay ahin'ereo eto? FA nofenon'ereo herisetry gny tany vo bo nivaliky ba hihansy Anahy amin'gny hahoriako ndraiky ereo, tamin'gny fametraha rasa-kazo eo amin'gny oron'ereo.18Koa hiasa eo amin'ereo avo koa Zaho; vo sy hamindra fo andreo Zaho. Ndre dra mitomagny amin'gny feo fatrasy asofoko aza ereo, dra sy hiteno andreo Zaho."
Chapter 9

1Dra nitomagny teo asofoko tamin'gny feo fatrasy izy, nanao ho: " Aoky hiakasy ao an-tana reo piamby, maindray amin'gny fitovam-pialia fandrava egny an-tagnany aby."2Vo ingo! Nisy lelahy eny avy boakagny amin'gny lalan'gny vavahady ambony zay mitoliky magnavarasy, samby niaraky tamin'gny fitova-pialia famonoa tegny an-tagnany aby. Nisy lelahy raiky niakazo rongony fosy nindray tamina fitovan'gny panora-dala tegny agnilanyteo agnivon'ereo. Ka nilisy ereo vo nizoro teo marin'gny alitarasaba.3Vo gny voninahisin'gny Zagnaharin"israely niakasy boaky tao amin'gny kerobima zay teo an-tokonam-batrangaran'gny tragno. Nitoka gny lelahy niakazo rongony fody zay nana gny fitovan'gny panora-dala tegny agnilany Izy.4Ho Yaveh taminazy ho: " Mandehana eo agnivon'gny tana---agnivon'i Jerosalema--- vo asio mariky eo amin'gny handrin'ereo ze mitaray vo miseto gny amin'gny fahavetaveta aby nahy teo agnivon'gny tana."5Vo niresaky tamin'ireo hafa teo asofoko Izy ho: " Mandehana magnaraky anazy ao an-tan vo mamonoa. Aoky sy hana fangoraha gny masonao, vo ka miferegnay6na olo antisy, tanora, viriziny , zaza madiniky na apela. Vono aby ereo! Fa ka magnato ze misy marky eo amin'gny lohany. Atombohy ao amin'gny fitobohako masy!" Ka dra nanomboky tamin'ireo zokiolo ze teo anoloan'gny tragno ereo.7Ho izy tamin'ereo ho: " Lotoy gny tragno, dra fenoy faty gny kianzanizay. Miboaha!" Dra niboaky ereo ka nanafiky gny tana.8Gny bo nanafiky anizay ereo, dra hitako fa raiky zaho sady napiakohoky gny tarehiko vo nitaray ka nano ho: "Indrisy, ry Tompo Yaveh, handrava reo sisa tavelan'Israely aby amin'gny fandraraha gny fahorianao amin'i Jerosalema se hanao?"9Ho Izy taminahy ho: " Tafahoasy loasy gny heloky gny akohonan'Israely vo Joda. Feno lio gny tany vo fena fahavetaveta gny tana, akory ho ereo ho: ' Fa nagnaligno gny tany i Yaveh, vo ' sy mahita I Yaveh!'10Dra noho zay, sy hagnety amim-pangoraha andreo Zaho. Fa handay zay aby zay ho eo an-dohan
11Ingo! Nihery gny lelahy niakazo rongony fody zay nana fitovan'gny panora-dala tegny agnilany. Nitatisy izy vo nizaka ho: ' Fa nahiko ze iaby nandidianao."
Chapter 10

1No nagnety magnagny amin'gny eloelo zay teo an-dohan'gny Kerobima zaho; dra nisy raha niseho teo ambonin'ereo manahaky gny safira mana endriky seza fiandriana.2BOakeo Yaveh niresaky tamin'gny lelahy nisiky rongony fosy dra nanao ho: " Mandehana eo agnelagnelan'ireo kodia eo ambanin'ireo Kerobima, dra feno amin'ireo bakafo mirehisy boakeo agnelagnelan'gny Kerobima gny tagnanao dra aparitaho eo amin'gny atana ereo." Dra nandeha ralelahy no nagnety zaho.3DRa nizoro teo an-kavanan'gny tragno gny Kerobima gny fa nilisy gny lelahy, vo nisy raho nameno gny tao agnatin'gny kianza.4Nisandrasy boakeo amin'gny Kerobim gny voninahis'i Yaveh vo nizoro teo an-tokonam-batragnaran'gny tragno. Nameno gny tragno tamin'gny raho izay, vo dra feno gny famirapiratan'gny voininahis'i Yaveh gny kianza.5Gny feon'gny helasin'gny kerobima dra re hatragny ivelan'gny kianza, sahala gny feon'Agnahary Tsitoha gny fa mizaka Izy.6Vo gny fa nandidy gny lelahy nisiky rongony fosy Zagnahary dra nanao ho: " Mandrambesa afo boakeo agnelagnelanireo kodia zay eo amin'gny kerobima," dra nilisy ralelahy vo nisanga teo agnilan'gny kodia.7Nisy kerobima raiky naninzisy gny tagnany teo agnelagnelan'gny kerobima ho amin'gny afo zay teo amin'gny kerobima, dra nanandrasy vo nametraky anizay teo an-tagnan'gny nisiky rongony fosy.Noresin-dralelahy zay dra nandeha niboaky izy.8Nahita raha sahala gny tagnan'olo tao ambanin'gny elas-ereo zaho teo amin'gny kerobima.9Dra nagnety zaho, vo ndreo! Kodia efasy gny teo agnilan'gny kerobima---kodia raiky teo agnilan'gny isaky kerobima---vo gny endrik'ireo dra manahaky gny vato berila.10Gny endrik'ereo dra mitovy endriky amin'gny efasy aby amin'ereo, manahaky gny kodia mihao amin'gny kodia hafa.11Gny fa niala ereo, dra nilisy tao amin'ireo lala efasy sy misy felogna amin'ireo lala-kafa. Fa kosa, ndre teza ndre teza niatrefan'gny loha, dra narahin'ereo zay. Dra sy nihery tagny amin'gny lala-kafa araky ze nandehanany sasy ereo.12GNy ain'ereo manotolo---isan'izay gny lambosiny, reo tagnany, vo reo elany---dra voarakosy maso, vo maso avo koa gny nandrakosy gny kodia efasy magnodidy.13No niteno zaho, dra nisy nizaka ho: "mikodiadiava" ireo kodia.14Nana tarehy efasy aby ereo; gny tarehy volohany dra tarehin-kerobima, gny tarehy faharo dra tarehin-delahy, gny tarehy fahatelo dra liona, vo gny tarehy fahaefasy dra tarehy voro-mahery.15Boakeo nisanga gny Kerobima---dra gny raha-managn'ay zay hitako teo amoron'gny ony Kebara. 16Isaky gny nihesiky gny kerobima, dra nandeha teo agnilany koa gny kodia , vo isaky gny nanandrasy gny elany ba hienga amin'gny tany gny kerobima, dra sy nivily reo kodia. Bo nizano teo agnilany reo.17Gny fa nizano gny kerobima, dra nizano koareo kodia, vo gny fa nienga reo, dra nienga nindray tamin'izay koa reo kodia akory amin'ireo kodia gny fagnahin'gny raha-managn'ay.18VO niala tao amin'gny tokonam-batragnaran'gny tragno gny voninahis'i Yaveh ka nizano teo amin'ireo kerobima.19Namelasy gny elany gny kerobima vo nienga tamin'gny tany teo amasoko gny fa niboaky ereo, vo nanao mitovy anizay teo agnilan'ereo gny kodia. Nizano tao amin'gny filira asignana magnao amin'gny tragnon'i Yaveh ereo, vo gny voninahisin'gny Zagnaharin'Israely dra avy teo amin'ereo aby teo ambony.20Reo gny raha-managn'ay ze fa hitako teo ambanin'gny Zagnaharin'Israely tamin'ireo lakan-drano Kebara, ka fatako fa kerobima reo!21Nana tarehy efasy aby vo elasy aby ereo, vo endriky tagnan'olo ambany elas'ereo,22vo gny endrikin'gny tarehiny dra manahaky gny tarehy ze fa hitako tao agnaty fahita tao amin'gny lakan-drano Kebara, vo nandeha nahisy gny kirairaiky aby tamin'ereo.
Chapter 11

1Dra napiakasy anahy gny Fagnahy ka nanday anahy tagny amin'gny vavahady asignanan'gny tragnon'i Yaveh, zay miansignana, dra ingo, nisy lelahy dimy amby ropolo teo amin'gny lala magnagny amin'gny vavahady. Hitako teo amin'ereo iJazania zanadahin'i Azora vo Pelata zandahin'i Benaia, pitariky gny vahoaky.2Ho Zagnahary taminahy ho: " Ry zanak'olo, reo gny olo ze nihevi-drasy, vo nanapa-kevisy hiteti-drasy tamin'itiky tana tiky.3Ho ereo ho: 'Sy fotoan'gny fagnorena tragno zao; tiky tana tiky gny vilagny, vo sika gny hena.'4Noho zay dra maminania hanohisy andreo. Maminania, ry zanak'olo."5Dra nizoso taminahy gny Fagnahin'i Yaveh vo ho Izy taminahy: " Zakao ho: Zao gny zakan'i Yaveh: araky ze zakandrareo, ry akohonan'Israely; fa fatasiko gny ao an-saindrareo.6Fa napitombo gny olo ze novonondrareo tamin'itiky tana tiky handrareo sady nameno gny lalambeny tamin'izay.7Noho zay, dra zao gny zakan'gny Tompo Yaveh: Gny olo ze novonondrareo, zay nahapasindrareo teo agnivon'i Jerosalema gny fatiny, gny hena, vo tiky tana tiky gny vilagny. fe handrareo dra andesy miala eo agnivon'itiky tana tiky.8Natahosy gny mesa handrareo, koa handay gny mesa ho amindrareo Zaho---zay gny fagnambaran'gny Tompo Yaveh.9Handay andrareo hiala eo agnivon'itiky tana tiky Zaho, vo hametraky andrareo ho eo an-tagnan'ireo hafa firene, akory handay fisara hanohisy andrareo Zaho.10Ho lavon'amesa handrareo. ha sarako ao amin'gny faritanin'Israely handrareo ka ho fatandrareo fa Zaho gny Yaveh.11Tihoky tana tihoky dra ho vilagny fandrahoandrareo, na ho hena ao agnatin'izay handrareo. Hisara andrareo ao amin'ireo faritanin'Israely Zaho.12Dra ho fatandrareo fa Zaho gny Yaveh, Gny raiky zay sy narahindrareo gny liliny. Fa kosa, gny lilin'ireo firene ze magnodidy andrareo gny notaterahindrareo."13Vo gny bo naminany zaho, dra maty i Pelatia zanadahin'i Benaia. Koa nikarapoky niakohoky zaho ka nihiaky tamin'gny feo fatrasy vo nanao ho: " Indrisy, ry Tompo Yaveh, moa se handripaky tateraky gny sisa amin'Israely Hanao?"14Avy taminahy gny zakan'i Yaveh, nanao ho: 15" Ry zanak'olo, reo rahalahinao! Reo rahalahinao! Reo lelahin'gny fokonao vo gny akohonan'Israely aby! Izy aby reo gny nizakan'ireo nipetraky tagny Jerosalema ho: 'Lavisy an'i Yaveh ereo! Tihoky tany tihoky dra nome anay ho fanagnanay.'16Noho zay zakao ho: ' Zao gny zakan'gny Tompo Yaveh: Ndre dra fa nangalaky andreo lavis'ireo firene aza Zaho, vo ndre dra fa napiely andreo teo amin'gny tany aza Zaho, fe dra fitoera masy ho andreo nandrisy gny fotoa keliky tagny amin'gny tany ze nandehan'ereo Zaho.'17Noho zay zakao ho: Ho voriako boak'amin'gny vahoaky handrareo, vo havoriko boak'amin'ireo tany ze nielezandrareo handrareo, ka homiako andrareo gny tanin'Israely.'18Dra handeha agny ereo ka hangalaky gny raha maharikoriko aby vo gny fahavetaveta aby amin'izay toera zay.19Hagnomia andreo fo raiky Zaho, vo hametraky fagnahy vaovao ao amin'ereo. Ho alako ao amin'gny nofon'ereo gny fo vato ka homeko fo nofo ereo,20ba hagnarahan'ereo gny lalako, hagnataterahan'ereo gny liliko vo hanovan'ereo anizay. Dra ho vahoakiko ereo, vo ho Zagnaharin'ereo Zaho.21Fe ho an'ereo ze mandeha am-pitiava magnagny amin'ireo raha maharikorikony vo reo fahvetavetany, dra handesiko ho eo an-dohan'ereo avo gny fitondrantegnany---zay gny fagnambaran'gny Tompo Yaveh."22Nanondrosy gny elany vo kodiarany zay teo agnilan'ereo gny kerobima, vo teo ambonin'ireo gny voninahisin'gny Zagnaharin'Israely.23Dra niakasy boakao agnivon'gny tana vo nisanga teo an-tezovohisy teo asignanan'gny tana gny voninahis'i Yaveh.24Nanondrosy anahy gny Fagnahy dra nanday anahy tagny Kaldea, tagny amin'ireo voasesitany, tamin'gny fahita aboak'amin'gny Fagnahin'Agnahary, vo gny fahita ze hitako niakasy boaky teo aminahy.25Dra nagnambara tamin'ireo voasesitany gny rahan'i Yaveh aby ze hitako zaho.
Chapter 12

1Avy taminahy gny zakan'i Yaveh, nanao ho:2" Ry zanak'olo, hanao dra monina eo agnivon'gny taranaky pikomy, zay mana maso hagnitia fa sy magnety; vo mana sofy hahareza fa sy miteno, akory taranaky pikomy ereo.3Noho zay no gny aminao, ry zanak'olo, dra homagno reo etanao ho amin'gny sesitany, dra manomboha miboaky amason'ereo amin'gny andro mazava, fa Zaho dra hambabo anao eo amason'ereo boakeo amin'gny toeranao magnagny amin'gny toera hafa. Vasa mety hanomboky hahita ereo, ndre dra taranaky pikomy aza.4Handesinao amason'ereo amin'gny andro mazava reo etanao ho amin'gny sesitany; miboaha amason'ereo amin'gny hariva amin'gny fomba fandehan'gny olo ho any amin'gny sesitany.5Mandavaha lavaky eo amin'gny rindry eo amason'ereo, vo mandehana eo amin'izay.6Eo amason'ereo, hapiakaro ho eo an-sorokinao gny etanao, dra andeso amin'gny mezy reo. Lombofo gny tarehinao, fa sy tokony hahita gny tany hanao, akory anpetrako ho famatara ho an'gny akohonan'Israely hanao."7Koa dra nahiko zay, araky gny nandidia anahy. Nandesiko niboaky tamin'gny andro mazava reo etako ho amin'gny sesitany, vo gny hariva dra nadavaky lavaky teo amin'gny rindry tamin'gny tagna zaho. Nandesiko tamin'gny ezy reo etako, vo napiakariko teo an-soroko teo amason'ereo zay.8Boakeo avy taminahy gny zakan'i Yaveh gny maray, nanao ho:9" Ry zanak'olo, moa gny akohonan'Israely, zeho taranaky pikomy zeho, sy nagnotany ho: 'Ino ahinao tiky?'10Zakao andreo ho: 'Zao gny zakan'Gny Tompo Yaveh: tiky asa faminania tiky dra mahakasiky gny andriandahin'i Jerosalema, vogny akohonan'Israely aby ze eo agnivon'ereo.'11Zakao ho: ' Famatara ho andrareo Zaho. Araky ze fa nahiko gny ho ahy amin'ereo; ho agny an-sesitany vo fahababoa ereo. 12Gny andriandahy ze eo amin'ereo da hapiakasy gny etany eo an-sorony amin'gny mezy, vo handeha eo amin'gny fefy. Handavaky eo amin'gny rindry ereo vo handay gny etan'ereo hiboaky. Hanako gny tarehiny izy, ka sy hahita gny tany amin'gny masony.13Haparitakiko amin'gny haratoko vo ho trasy amin'gny fandriko izy; boakeo handesikoagny Babylona, gny tanin'ereo Kaldeana izy, fa sy hahita anizay. Ho faty agny izy.14Haparitakiko amin'gny lala aby avo koa reo aby magnodidy anazy vo gny tafiny aby, vo handefa mesa hagnenziky andreo Zaho.15Boakeo ho fatas'ereo fa Zaho gny Yaveh, gny fa haparitakiko eo amin'ireo firene ereo sady haeliko manera reo tany.16Fa hamindra fo olo masaiky eo amin'ereo Zaho amin'gny mesa, mosary, vo areti-mandripaky, ba hitahiry gny fahvetavetan'ereo aby eo amin'ireo tany ze hangalako anazy ereo, dra ho fatan'ereo fa Zaho gny Yaveh.'"17Avy taminahy gny zakan'i Yaveh nanao ho:18" Ry zanak'olo, hano am-pangovita gny mofonao, vo inomy am-pangovita vo tahosy gny ranonao.19Boakeo zakao amin'ireo vahoakin'gny tany ho: 'Gny Tompo Yaveh dra mizaka anizahoky mahakasiky an'ireo ponin'i Jerosalema, vo gmy tanin'israely: Hihina gny mofony am-pangovita ereo sady hino gny ranon'ereo eo am-pangovita, akory ho foa amin'gny fahafenoany gny tany nohon'gny herisetran'ereo aby mony ao.20Dra ho lao reo tana ze sy nisy ponina, vo ho ngaza gny tany; dra ho fatandrareo fa Zaho gny Yaveh.'"21Avy taminahy ndraiky gny zakan'i Yaveh, nanao ho:22" Ry zanak'olo, ino tiky ohabola zay anagnandrareo eo amin'gny tanin'Israely tiky zay manao ho: 'Mihalava gny andro, sady sy mahomby gny fahitan'aby'?23Noho zay, zakao andreo ho: 'Gny Tompo Yaveh dra mizaka anizahoky: Ho taperiko tiky ohabola tiky, vo sy hapiasa anizay sasy gny vahoakin'Israely.' Zakao andreo ho: ' Mariny gny andro gny fa ho tateraky gny fahita aby.24Fa sy hisy fahita diso sasy na sikidy soa amin'gny akohonan'Israely.25Fa Zaho gny Yaveh! Mizaka Zaho, sady manao reo zaka zinakako. Sy ho tara sasy reo ze zinakako. Fa hizaka anizahoky zaka zahoky Zaho amin'gny andronndrareo, ry taranaky pikomy, sady hanao anizay!---zay gny fagnambaran'gny Tompo Yaveh.'"26Avy taminahy ndraiky gny zakan'Yaveh, nanao ho:27" Ry zanak'olo! Ingo, gny akohonan'Israely dra nizaka ho: 'Gny fahita ze hitany dra ho amin'gny andro maro manomboky amizao, vo maminany gny amin'gny foto bo lavisy izy.'28Noho zay dra zakao andreo ho: 'Gny Tompo Yaveh dra mizaka anizao: Gny zakako dra sy ho tara sasy, fa gny zaka ze zinakako dra ho ahy---zay gny fagnambaran'gny Tompo Yaveh.'"
Chapter 13

1Avy amnahy ndraiky gny zakan'i Yaveh, nanao ho: 2" Ry zanak'olo, maminania manoisy reo paminany ze maminany agny Israely, dra zakao amin'ireo ze maminany araky eriseris'ereo manoka ho: 'Tenoy gny zkan'o Yaveh. 3Zeho gny zakan'gny Tompo Yaveh: Loza ho an'ireo paminany mola ze magnaraky gny fagnahiny avo, fe sy nahita ndre ino ndre ino! 4Ry Israely, reo paminaniniha dra fa manahaky gny amboadia egny amin'gny tany ngaza.5Tsy nandeha namotiky gny rindry magnodidy gny hsaveregnan'Israely hanao so hagnambora anizeho,so hiharitry amin'gny aly amin'gny andron'i Yaveh. 6Mana fahta diso gny vahoaky dra manao faminania sandoky, reo ze mizaka ho: "Zao vo zao gny fagnambaran'i Yaveh." Sy nagniraky andreo i Yaveh, fe ndre dra zeho aza ereo dra napagnategna gny vahoaky fa ho tateraky reo hafas'ereo.7 Sa sy bo fa nana fahita diso hanao dra nanao faminania sandoky, hanao gny mizaka ho: "Zeho vo zeho gny fagnambaran'i Yaveh" fe Zaho vatako dra sy nizaka?'8Noho zeho dra zzao gny zakan'gny Tompo Yaveh: 'Akory handrareo fa nana fahita diso sady nizaka vandy--- noho zeho dra zao gny fagnambaran'gny Tompo Yaveh manohisy andrareo: 9Hizera reo paminany ze mana fahita mavandy vo ze manao faminania sandoky gny tagnako. Sy ho ao amin'gny fiangonan'gny vahoakiko, na ho sorata agnara ao amin'gny firaketan'gny hasaveregnan'Israely ereo; sy bo handeha agny amin'gny tanin'Israely izy regny. Fa ho fatandrareo fa Zaho gny Tompo Yaveh!10Noho zeho, dra akory ereo nitariky gny vahoakiko tagny amin'gny lalan-diso dra nizaka ho: "Faidagna!" fe sy nisy fiadagna aby, dra magnory rindry ze ho laloran'ereo amin'gny loko fosy ereo.' 11Zakao amin'ireo ze mandalosy gny rindry ho: 'Hilavo zeho; hisay kasak'orambe, dra handefa havandra Zaho so hapilavo anizeho, vo tafio-drivosy so handrodagny anizeho. 12Ingo, hilavo gny rindry. Sa ra sy nizaka tamindrareo gny hafa ho: "Eza gny lalotry fosy ze nahindrareo tamin'itihoky?"13Noho zeho dra zeho gny zakan'gny Tompo Yaveh: Handay tafio-drivosy amin'gny hahoriako Zaho, dra hisy tondra-drano amin'gny fahavignirako! Gny havandra gny hamotiky tateraky anizeho amin'gny hahoriako. 14Fa hamotipotiky gny rindry ze nisarognandrareo tamin'gny lalotry fosy Zaho, dra handroda anizeho amin'gny tany vo hapiharihary gny fagnambaniny. Ka dra hilavo zeho, vo handrareo aby dra ho ripaky eoagnivon'izeho. Vo dra ho fatandrareo fa Zaho gny Yaveh.15Fa Zaho handripaky gny rindry amin'gny hahoriako vo reo aby ze nandalotry anizeho. Hizak amindrareo Zaho ho: "Sy misy sasy gny rindry, na gny olo ze nandalotry anizeho--- 16reo paminani'Israely ze naminany mahakasik'i Jerosalema vo nana fahita fiadagna ho anazy. Fe sy misy fiadagna! --- zeho gny fagnambaran'gny Tompo Yaveh."'17Koa hanao, ry zanak'olo, hapagnatreho gny zanaky apelan'gny vahoakiniha ze maminany araky gny eriseris'ereo manoka gny tarehiniha, dra maminania manohisy andreo. 18Zakao ho: 'Zeho gny zakan'gny Tompo Yaveh: Loza ho an'ireo apela ze manzaisy aoly mahasoa vinta eo amin'gny farisy gny tagnany aby dra manao voaly araky gny habe sambihafa ho amin'gny lohan'ereo, apesay hihaza olo. Hihaza gny oloko se handrareo so hagnavota gny aindrareo?19Fa nagnirasira Anahy tamin'gny vahoakiko tamin'gny vary hordea raiky tana vo sombinsombi-mofo handrareo, so hamonoa olo ze sy tokony ho faty, vo hitana gny ain'ireo ze sy tokony hanohy hiay sasy, noho reo vandindrareo tamin'gny oloko ze nahare.20Noho zeho dra zao gny zakan'gny Tompo Yaveh; Zaho dra manohisy reo aoly mahasoa vinta ze napesandrareo hamandriha gny ain'olo sahala gny ho voro regny ereo. Hamotipotiky regny boaky eo an-tagnandrareo Zaho; vo gny olo ze voafandrikindrareo manahaky gny voro--- hanenga andreo handeha malalaky Zaho. 21Hagnendaky reo voalindrareo Zaho dra hamonzy gny vahoakiko eo an-tagnandrareo, so sy ho voafandriky eo an-tagnandrareo sasy ereo. Ha fatandrareo fa Zaho gny Yaveh.22Akory handrareo magnakivy gnyfon'gny olo-mary amin'gny vandy, ndre dra sy nagniry gny fahakiviany aza Zaho, sady akory napahery reo fihesiky gny olo rasy fagnahy handrareo ho setrin'g'izeho so hagnavotany gny ainy--- 23noho zeho dra sy hana fahita diso handrareo na hanohy faminania sandoky sasy, akory hamonzy reo oloko hiboaky eo an-tagnandrareo Zaho. Ho fatandrareo fa Zaho gny Yaveh."'
Chapter 14

1Nagnato anahy gny sasany tamin'ireo loholon'Israely dra nitoboky teo agnoloako. 2Dra avy taminahy gny zakan'i Yaveh, nanao ho: 3"Ry zanak'olo, reo lelahy reo nandramby tao am-pony reo sapin'ereo dra nametraky gny vato fanafitohigna gny helok'ereo teo agnatrehan'gny tarehin'ereo. Tokony agnotanian'erep aminahy se zeho raha zeho?4Noho zeho dra ambarao amin'ereo zeho dra zakao amin'ereo ho: 'Zao gny ambaran'gny Tompo Yaveh: Gny olo aby ao amin'gny hasaveregnan'Israely ze mangalaky ao am-pony gny sapiny, na mametraky vato fanafitohigna gny helony eo agnoloan'gny tarehiny, vo boakeo magnato paminany--- Zaho, Yaveh, dra hamaly anazy araky gny isan'gny sapiny. 5Ho ahiko anizeho so hapiheregnako gny hasaveregnan'israely ao am-pon'ereo ze nala lavisy teo aminahy tamin'gny alalan'ireo sapin'ereo.6Noho zeho ambarao amin'gny hasaveregnan'Israely ho: 'Zeho gny ambaran'gny Tompo Yaveh: Mibebaha dra miala amin'gny sapindrareo! Omeo lamosy gny fahavetavetandrareo aby.7Ho an'gny olonaby boaky amin'gny hasaveregnan'Israely vo gny vahiny aby mizano ao Israely ze mivaliky aminahy, ze mandramby ao am-pony reo sapiy dra mametraky vato fanafitohigna gny helony eo agnoloan'gny tarehiny, vo magnato paminany boakeo so hitalia Anahy--- Zaho, Yaveh, mihisy gny hamaly anazy. 8Dra hagnandry anizeho olo zeho gny tavako sady hanao anazy ho famatara vo ohabola, akory ho gongoriko sy ho eo amin'gny vahoakiko izy, dra ho fatandrareo fa Zaho gny Yaveh.9No misy paminany voafitaky vo mizaka hafasy, dra Zaho, Yabeh, gny hamitaky anizeho paminany zeho; hagninzisy gny tagnako aminazy Zaho dra hamotiky anazy eo amin'Israely vahoakiko. 10Hitaty gny helony avo ereo; gny heloky gny paminany dra hitovy amin'gny helok'ize magnotany anazy. 11Noho zeho, dra sy hisitaky amin'gny fagnaraha Anahy sasy gny hasavereagnan'Israely na handoto gny vatan'ereo amin'ireo fandikan-dalagna aby sasy. Ho vahoakiko ereo, vo ho Zagnaharindrareo Zaho--- zeho gny fagnambaran'gny Tompo Yaveh."'12Dra avy taminahy gny zakn'i Y aveh, nanaoho: 13"Ry zanak'olo, no manota Aminahy gny tany raiky amin'gny fanaova ze mahadiso dra hagninzisy gny tagnako eo amin'izeho Zaho dra hanapaky gny tehin'gny mofony, dra handefa mosary eo amin'izeho sady handripaky gny olo vo gny biby ao amin'gny tany; 14vo ndre tahoky lelahy telo tahoky aza--- Noa, daniela, vo Joba--- gny eo agnivon'gny tany, dra sy afaky hagnavosy laha-sy gny ainy avo ereo amin'gny fahamarignan'ereo--- zeho gny fagnambaran'gny Tompo Yaveh.15No mandefa bibidia masiaky manera gny tany Zaho dra mandripaky anizeho so hazary taly lao ze sy afaky dinganin'gny olo noho reo biby, 16dra ndre ao amin'izeho aza reo lelahy telo reo--- nobo velo Zaho, ho gny Tompo Yaveh--- dra sy ho afaky gny hagnavosy ereo ndre dra ereo zanadahiny vo reo zanakapelany aza; gny ain'ereo avo gny ho avosy, fa gny tany dra hizary tany lao.17Na no manday mesa amin'izeho tany zeho Zahi dra mizaka ho: 'Ry mesa, mandehana manera gny tany dra haringano hiala amin'izeho gny olo vo gny bibidia', 18dra ndre dra eo agnivon'gny tany aza reo lelehy telo reo--- no bo velo Zaho, ho gny Tompo Yaveh--- dra sy ho afaky gny hagnavosy ereo ndre dra reo zanadahiny vo reo zanakapelany aza; gny ain'ereo avo gny ho avosy.19Na no mandefa areti-mandripaky amin'iho tany iho Zaho dra mandraraky gny hahoriako eo amin'izeho amin'gny alalan'gny fandasahan-dio, so handripaha gny olo vo gny bibidia,20 dra ndre dra ao amin'izeho tany zeho aza i Noa, Daniela, vo Joba--- dra sy ho afaky gny hagnavosy reo zanadahiny vo reo zanakapelany aza; gny ain'ereo avo gny ho avosy nohon'gny fahamarignan'ereo.21Fa zeho gny ambaran'gny Tompo Yaveh: Azo atoky fa hahiko miharasy gny toe-draha amin'gny alalan'gny fandefasako reo fatrokafa efasy--- mosary, mesa, bibidia,vo areti-mandripaky--- amin'i Jerosalema so handripaha gny olo vo gny bibidia eo aminazy.22Fe, ingo! Hisy ho tavela ao aminazy, reo sisa velo ze hiboaky mindray amin'ireo zanadahy vo reo zanakapela. Ingo! Hiboaky ho agny aminiha ereo, dra hahita reo fomba vo fihesik'ereo hanao dra hiono mahakasiky gny fatrokafa ze fa nalefako tagny Jerosalema, vo mahakasik'ireo raha hafa aby ze nalefako teo amin'gny tany. 23Reo sisa velo dra hapiegny andrareo nofa hitandrareo reo fomba vo fihesik'ereo, koa dra ho fatandrareo reo raha aby fa vitako taminazy, fa sy nahiko raha fahatany reo! --- zeho gny fagambaran'gny Tompo Yaveh."
Chapter 15

1Dra avy taminahy gny zakan'i Yaveh, nanao ho: 2"Ry zanak'olo, ino gny mahasoa gy tahom-boaloboky bebe kokoa noho gny hazo avy misy ransa ze eo amin'ireo hazo ao agn'ala? 3Sa ra gny olo mangalaky hazo boaky amin'gny tahom-boaloboky so hanaova raha? Na sa ra ereo manao fanantogna boaky ami'izeho so hagnatognan-draha? 4Ingo! No atpraky agnaty afo kita zeho, vo no nagnoro gny morony ro vo gny eo agnivony gny afo, dra bo soa hanaovan-draha ze zeho?5Ingo! nofa tateraky zeho, dra sy afaky hanaova nadre ino ndre ino; azo atoky bokeo fa, nofa nirehisy gny afo, dra sy bo azo hanaova ndre ino ndre ino zeho.6 Noho zeho gny Tompo YAveh dra mizaka zeho: Sy sahala reo hazo agny agn'ala, fa nagnome gny tahom-boaloboky ho kita ho an'gny afo Zaho; hanao manahaky anizeho koa Zaho amin'ireo ponin'i Jerosalema.7Fa hanohisy andreo gny tavako. Ndre dra miboaky boaky ao amin'gny afo aza ereo, dra handevo andreo amin'gny afo ; dra ho fatandrareo fa Zaho gny Yaveh, nofa nanohisy andreo gny tarehiko. 8Bokeo hahiko agny amin'gny tany foa gny tany akory nanota ereo--- zeho gny fagnambaran'i Yaveh."
Chapter 16

1Dra avy taminahy gny zakan'i Yaveh, manao ho:2 "Ry zanak'olo, apahafataro mahakasiky reo fahavetavetany i Jerosalema, 3dra ambarao ho: 'Zao gny zakan'gny Tompo Yaveh amin'i Jerosalema: Gny fiandohaniha vo gny nahaterahaniha dra tao amin'gny tany Kanana; Amorita gny raniha, vo Hetita gny reniniha.4Amin'gny andron'gny fahaterahaniha, dra sy nanapaky gny tadi-poitriniha, na nagnadio aniha tamin'gny rano na nanasa aniha tamin'gny ranon-sira, na nandrakosy lamba nagnodidy aniha gny reniniha. 5Sy nisy maso nagnoraky aniha dra hanao reo raha reo aminiha, so hangoraky aniha. Tamin'gny andro ze nahaterahaniha, niaraky tamin'gny fankahala ho an'gny fiainaniha, dra natoraky teo amin'gny saha malalaky hanao.6Fe nandalo teo aminiha Zaho, dra nahita aniha nihosinkosy tamin'gny lioniha; dra ho Zaho taminha tamin'gny lioniha ho: "Miveloma!" Dra ho Zaho taminiha tamin'gny lioniha ho: "Miveloma!" 7Napitomboko manahaky gny voly egny amin'gny saha hanao. Niha-maro hanao sady nihalahibe, dra nizary ravaky gny firavaky. Nisiry nono hanao, dra niha-natevy gny voloniha, ndre dra nitanzaky vo niborida aza hanao.8Nandalo teo aminiha ndraiky Zaho, dra hitako hanao. Ingo! avy taminiha gny fotoan'gny fitiava, dra namelasy gny akazoko taminiha Zaho sady nanafosy gny fitanzahaniha. Bokeo dra nifata taminiha Zaho dra nanday aniha tamin'gny faneke--- zeho gny fagnambaran'gny Tompo Yaveh--- dra lasa Anahy hanao.9Dra nanasa aniha tamin'gny rano vo nanasa gny lio taminiha Zaho, dra nagnosotry dililo aniha. 10Napiakazoko tamin'ireo akazo misy peta-kofehy hanao sady nasiko kapa holisy gny tomboniha. Nirakofako tamin'gny rongony fosy madiniky hanao sady nisaforako tamin'gny landy.11 Bokeo dra niravahiko tamin'gny firavaky hanao, dra nasiako haingon-tagna gny tagnaniha, vo rozo magnodidy gny vozoniha. 12Nasiako kavin'oro gny vavoroniha vo kavin-sofy gny sofinya, vo satro-boninahisy soa tarehy teo ambony gny lohaniha.13Dra voaravaky tamin'gny volamena vo volafosy hanao, sady niakazo rongony fosy madiniku, landy. vo akazo misy peta-kofehy; nihina koba manify hanao, tately, vo dililo, dra vatany tarehy vatany hanao, dra lasa pazaka vavy. 14Niely teo amin'ireo firene nohon'gny haosaniha gny lazaniha, akory tonga lafatry tamin'gny fiandriana ze nomeko aniha hanao--- zeho gny fagnambaran'i Yaveh.15Fa natoky gny hasoaniha hanao, dra nanao manahaky gny pivarobata nohon'gny lazaniha; nandraraky gny fivarota-bataniha tamin'ize iaby nandalo hanao, dra lasany ho gny hasoaniha. 16Bokeo dra nangalaky reo akazoniha hanao vo nanao toera abo voahengo karazan-doko tamin'ireo ho aniha, vo tao hanao gny nanao gny fivarotam-bataniha. Sy tokony niseho zeho. Ndra ho tokony sy nisy gny raha manahaky anizeho.17Nalaniha reo firavaky manify vita tamin'gny volamena vo volafosy ze nomeko aniha, dra nanao sarin-lelahy ho aniha hanao, dra nanao manahaky ze ahin'gny pivarobata tamin'ireo.18 Nalaniha reo akazo misy peta-kofehy dra nasafosiniha reo, vo napetrakiniha teo alohan'ireo gny dililiko vo reo raha magnisiko. 19Gny mofo ze nomeko aniha--- vita tamin'gny koba manifu, dililo, vo tately--- dra napetrakiniha teo alohan'ireo so ho hagnisy ankasitraha, fa zeho gny niseho--- zeho gny fagnambaran'gny Tompo Yaveh.20Bokeo dra nalaniha reo zanadahiniha vo reo zanakanpelaniha ho Anahy, dra nahiniha soro ho an'ireo sary ereo ho voarapaky manahaky gny sakafo. Sa ra olana keliky reo asa fivarota-bataniha? 21Novoniha reo zanako dra nahiniha tao amin'gny afo. 22Sy nihevisy mahakasiky reo andron'gny fahatanoraniha hanao tamin'ireo fahavetavetaniha vo reo asa fivarotam-bataniha, tamy nitanzaky vo niborida sady bo nihoso tamin'gny lioniha.23Loza! Loza ho aniha! --- zeho gny fagnambaran'gny Tompo Yaveh--- noho zeho, fagnapin'ireo harasim-pagnahy aby reo, 24dra nagnory efitragno abo ho aniha eraky gny kalamanzagna aby hanao.25Nagnory gny toera aboniha tagny amin'gny lohan'gny lala soa hanao sady nanimbazimba gny hosaniha, fa nagnome gny vataniha ho an'ize iaby nadalo hanao sady napitombo asa fivarotam-bata maro. 26Nanao manahaky gny pivaro-bata nindray tamin'ireo Egyptiana, reo piara-monina le fila, sady nanao asa fivarotam-bata maro, nahaory Anahy hanao.27Ingo! hizera aniha amin'gny tagnako Zaho sady hagnazano gny hsakafoniha. Hatoloso an'ireo fahvaloniha, dra reo zanakapelan'ireo Filistina, ze megnasy tamin'gny toetry mamoafadiniha gny ainiha. 28Nanao manahaky gny pivarobata nindray tamin'ireo Asy riana hanao akory sy nety afa-po. Nanao manahaky gny pivarobata hanao dra bo sy nety afa-po avo. 29Napitombo asa fivarota-bata maro tao amin'gny tanin'ireo pivaros'i Kaldea hanao, sady ndre zeho aza dra nahafa-po aniha.30Manahaky gny akory gny fahararian'gny fonao--- zeho gny fagnambaran'gny Tompo Yaveh--- gny anaovaniha reo raha aby reo, dra asan'ireo pivaro-bata sy megnasy? 31Nagnory reo toera aboniha teo amin'gny lohan'gny lala aby hanao sady nagnory tragno abo ereky gny kalamanzagna aby. Fa koa sy manahaky gny pizangazana hanao akory nanda hamdramby vola.32Hanao ry apela pizangazana, nagneky reo hafa hanao no tokony ho gny valiniha avo. 33Gny olo dra magnome vola reo pivaro-bata aby, fa hanao koa nagnome gny karamaniha ho an'ireo olon-tianiha aby vo namitaky andreo so ho avy ao aminiha boaky amin'gnymagnodidy aby ho an'gny asa fivarotan-bataniha. 34Dra misy fahasambihafa aminiha vo reo apela hafa reo, akory sy misy olo magnato aniha so hangataky aniha hindray amin'ereo. Fe koa, mandoa vola amin'ereo hanao. Sy misy olo mandoa volo aminiha.35Noho zeho, ry pivaro-bata, tenoy gny zakan'i Yaveh. 36Yaveh Tompo mizaka zao: Akory hanao nandraraky gny filaniha sady napiseho gny farisy mamoafadiniha tamin'ireo asa fivarotam-bata nindray tamin'ireo olon-tianiha aby vo nindray tamin'ireo sapy vetavetaniha aby, vo nohon'gny lion'gny zanakini ze nomeniha an'ireo sapiniha, 37noho zeho, ingo! hamory reo olon-tianiha aby ze nihaognaniha, reo aby tianiha vo ireo aby halaniha, dra hamory andreo hanohisy aniha amin'gny lafiny aby Zaho. Hapiseho gny farisy mamoafadiniha amin'ereo Zaho. Hapiseho gny farisy mamoafadiniha amin'ereo Zaho so hahitan'ereo gny fitanzahaniha aby.38 hagnasazy aniha amin'gny fizangazanganiha vo gny fandasahan-dio Zaho, sady handay reo lion'gny hahoriako vo gny fahasarotam-piaroko eo aminiha. 39Hatolosiko eo an-tagnan'ereo hanao so hanzeran'ereo gny efitragno aboniha vo handrodagnan'ereo gny toera aboniha dra hangala gny akazoniha vo hangaka reo firavakiniha aby ereo. Ho engan'ereo mitanzaky vo miborida hanao.40Bokeo dra handay vahoaky hanohisy aniha sady hitoraky aniha amin'gny vato Zaho, dra ho tebitebib'ereo amin'gny mesan'ereo hanao. 41Hagnoro gny tragnoniha ereo sady hapitombo reo saziniha eo amason'ireo apela maro, fa hamara gny fivarotam-bataniha Zaho, dra sy handoa vola amin'ireo olon-tianiha sasy hanao. 42Bokeo dra hapitony gny hahoriako aminiha Zaho; hiala aminiha gny hahoriako, akory ho afa-po Zaho, dra sy ho ory sasy.43Akory sy nahasiaro reo andron'gny fahatanoraniha hanao vo napiozongozo Anahy tamin'gny hahoria noho reo raha aby reo, noho zeho, ingo! Zaho mihisy gny hapizoso gny sazy noho ze vitaniha ho eo amin'gny lohaniha --- zeho gny fagnambaran'gny Tompo Yaveh. Sa sy napianiha fivarota-bata ra reo fapihara maharikoriko hafa aby?44Ingo! Ze iaby mizka ohabola mahakasiky aniha dra hizaka ho: "Manahaky gny reniny avo, dra manahaky anizeho koa gny zanakapelany." 45Zanakapelan'gny reniniha, ze nalay gny valiny vo gny zanany hanao, vo rahavavin'ireo rahavaviniha ze nalay reo valiny vo reo zanak'ereo. Hetita gny reniniha, vo Amorita gny raniha.46Gny zokiniha vavimatoa dra Samaria vo reo zanakapelanu dra reo ze mitoboky agny avarasy, no ako dra mitoboky agny asimoniha gny rahavaviniha faravaviniha, zeho ho, Sodoma vo reo zanakapelany.47Hanao dra sy nandeha tamin'gny lalan'ereo sady nangalaky manahaky gny fitondran-tegnan'erei vo gny fahin'ereo avo, fa rasy tamin'gny fombaniha aby noho ereo hanao. 48No bo velo koa Zaho--- zeho gny fagnambaran'gny Tompo Yaveh--- Sodoma rahavaviniha vo reo zanakapelany, dra sy nanao rasy maro manahaky aniha vo ze vitan'ireo zanakapelaniha.49Ingo! Zeho gny fahotan'i Sodoma rahavaviniha: Niavognavo tamin'gny fahamaroan-kaniny, tamin'gny sy fitandrema vi sy firaharahia mahakasin'gny raha lahibe izy. Sy nagnapy reo mahantra vo reo olo mila fagnapia izy. 50Niavognavo vo nanao asa vetaveta teo agnatrehako izy, dra nalako araky gny hitandrareo ereo.51Samaria dra sy nanao gny ansasaky gny fahotaniha aby; hanao koa nanao raha vetaveta maro be noho ze nahin'ereo, dra napiseho hanao fa reo rahavaviniha dra mendriky kokoa noho hanao noho reo raha vetaveta aby ahiniha! 52Hanao manoka, gny mapiseho gny hegnasiniha; tamon'izeho fomba zeho gny nanehoaniha fa reo rahavaviniha dra mendriky kokoa noho hanai, noho reo fahota ze nahiniha tamin'ireo fomba vetaveta aby reo. Reo rahavaviniha amizao dra ako mendriky noho hanao. Hanao manoka, gny napiseho gny hegnasinao, dra tamin'izeho fomba zeho gny nanehoaniha fa reo rahavaviniha dra mendriky noho hanao.53Fa hapihery amin'gny laoniny reo haren'ereo Zaho --- reo haren'i Sodoma vo reo zanakapelany, vo reo haren'i Samaria vo reo zanakapelany; fa reo hareniha koa dra ho eo amin'ereo. 54Amin'ireo raha reo gny hanehoaniha gny hegnasiniha; ho afa-baraka nohon'gny raha aby vitaniha hanai, vo amin'izeho fomba zeho dra ho fapiegnena ho andreo hanao. 55Koa i Sodoma rahavaviniha vi reo zanakapelany dra ho ahery amin'gny toetrin'ereo teo aloha, vo i Samaria vo reo zanakapelanu dra ho ahery amin'ireo fanagnany teo aloha. BOkeo hanao vo reo zanakapelaniha ho ahery amin'gny fari-piaignaniha teo aloha.56Sodoma rahavavinao dra sy voatondron'gny vavaniha aby tamin'ireo andro nireharehaniha, 57talohan'gny nagnambara reo harasianiha. Fa androany dra ambenty fahafaham-baraka amin'ireo zanakapelan'i Edoma vo reo zanakapelan'ireo Filistia aby magnodidy anazy hanao. Manao sinosino aniha aby gny vahoaky aby. 58Haneho gny hegnasiniha vo reo asa vetavetaniha hanao! --- zeho gny fagnamabaran'i Yaveh!59Zeho gny zakan'gny Tompo Yaveh: Hifapiraharaha aminiha araky ze magneva aniha Zaho, hanao ze nanao sinosino gny voadiniha tamin'gny fandrava gny faneke.60Fa Zaho mihisy gny hapasiahy gny fifanekeko taminiha ze nahy tamin'ireo andron'gny fahatanoraniha, dra hanao faneke sy manam-pahatapera mindray aminiha Zaho. 61Dra hahasiaro reo fombaniha hanao dra ho megnasy nofa handrambuy reo zokiniha apela vo reo zandriniha apela. Homeko aniha manahaky gny zanakapela ereo, fe sy nohon'gny fanekeniha.62Zaho mihisy gny hanao faneke mindray aminiha, dra hahafatasy hanao fa Zaho gny Yaveh. 63Noho reo raha reo, dra hahasiaro gny raha aby hanao dra ho megnasy, vo sy hanokasy gny vavaniha so hizaka sasy hanao nohon'gny hegnasiniha, nofa nanenga aniha tamin'ireo ze nahiniha aby Zaho--- zeho gny fagnambaran'gny Tompo Yaveh.
Chapter 17

1Avy taminahy gny zakan'i Yaveh, nanao ho: 2"Ry zanak'olo, manaova fapanonona sady mizaka fagnohara ami'gny hasaveregnan'Israely. 3Zakao ho: 'Zeho gny zakan'gny Tompo Yaveh: Nisy voromahery lahibe ze mana elasy lahibe vo volon'elasy lava, feno volom-boro, sady maro loko nagnagny Libanona dra nita gny teo an-tendron'gny hazo sedeea. 4Nanapaky gny tendron'gny ravy eo amin'ireo sapa zehi sady nanday reo tagny amin'gny atany Kanana; namboly anizaho tao amin'gny tanan'ireo pivarosy izy.5Nangalaky volon'gny tany misimisy koa izy dra namboly anizeho tamin'gny tany mahavokasy. Napetrany teo amoron'gny vatan-drano lahibe manahaky gny hazo malahelo zeho. 6Dra nisimoky dra nazary fielezan'gny voaloboky ambany amin'gny tany zeho. Reo sapany dra niodiky teo aminazy, vo gny fakany nitombo teo ambanin'izeho. Dra laza voaloboky sady namokasy ransa zeho dra namoaky sapany.7Fa nisy voromahery lahibe hafa koa ze mana elasy lahibe vo volom-boro maro. Ingo! Tiky voaloboky tiky dra napiodiky gny fakany tamin'gny voromahery, vo mamelasy reo sapany tamin'gny voromahery boky eo amin'gny toera ze fa nambolo anizeho so ho voatondroky anizeho. 8Voavoly teo amin'gny tany soa amoron'gny vatan-drano lahibe zeho dra afaky mamokasy sapa vo mapisimoky vokasy, so ho lasa voaloboky mahafinarisy.'9Zakao amin'gny vahoaky ho: 'Zeho gny zakan'gny Tompo Yaveh: Ho ambinigny se zeho? Sy hombota amin'gny fakany vo endahy amin'gny vihiny so halazo se zehi, sady bo halazo gny solofony aby? Sy hisy sandry mahery na vahoaky maro ilay so hagnombosy zeho amin'ireo fakany. 10Ka ingo! Ndre dra voavoly aza zeho, dra hisimoky se? Sy halazo se zeho nofa mikasiky anazy gny rivosy boky agny asinagna? Halazo tateraky amin'gny teti-drasiny zeho."'11Dra avy taminahy gny zakan'i Yaveh, manao ho: 12"Zakao amin'gny taranaky pikomy ho: 'Haindrareo se gny dikan'ireo raha reo? Ingo! Avy tao Jerosalema gny pazakan'i Babylona dra nangala gny pazakany vo reo andrian-dahiny dra nanday andreo tagny aminazy tagny Babylona.13Dra nanday taranak'andria izy, nanao faneke taminazy, dra nanday anazy tamin'gny fifata. Namoaky reo vahoaky mahery teo amin'gny tany izy, 14so hietry gny fanzaka fa sy hiary. Amin'gny fitandrema gny fanekeny gny hahavelo gny tany15Fa gny pazakan'i Jerosalema dra nikomy nanohisy anazy tamin'gny fandefasa reo masoivoho ho agny Egypta so hahazo sovaly vo tafiky. Hahomby se izy? Hilefa se ze manao zeho raha zeho? No mamadiky gny faneke izy, dra hilefa se?16 No velo koa Zaho! --- zeho gny fagnambaran'gny Tompo Yaveh --- dra ho faty eo amin'gny tanin'gny pazaka ze nanao anazy ho pazaka vatany izy, gny pazaka ze nainy sinosino gny fafatany, vo ze nivaliky gny fanekeny. Ho faty eo agnivon'i Babylona izy.17Farao vo gnt tafiny mahery vo reo fiangonan'gny olo maro ho amin'gny aly dra sy hiaro anazy agn'aly, nofa magnory fahirano dongon-tany vo fahirano rindry handripaha olo maro gny tafikin'gny Babylona.18 Fa nanao sinosino gny fifatany tamin'gny famadiha gny faneke gny pazaka. Ingo, fa naninzisy gny tagnany hanao fapagnatena izy sady fa nanao reo raha iaby reo. Sy hilefa izy.19Ka zeho gny zakan'gny Tompo Yaveh: No velo koa Zaho, sy gny fifatako se gny nahiny sinosino vo gny fanekeko gny nivalihany? Koa handay gny fatrokafa ho eo amin'gny lohany Zaho! 20Hapiely gny haratoko eo aminazy Zaho, dra ho trasin'gny harato fihazako izy. Dra handay anazy agny babylona vo hapihatry fisara aminazy agny Zaho ho an'gny famadiha ze nahiny no namaliky Anahy izy! Gny felofany aby ao amin'gny tafiy 21dra lavon'gny mesa, vo reo ze mitoesy dra ha[aritaky agny amin'gny lala aby. Dra ho fataniha fa Zaho gny Yaveh; Zaho gny nagnambara fa hitranga zeho."22Zeho gny zakan'gny Tompo Yaveh: 'Koa gny vatako mihisy gny hanaga gny ransa abo amin'gny hazo sedera, dra hamboly anizeho eo amin'ireo sampa malefaky. Hanapaky anizeho Zaho, vo gny vatako gny hamboly anizeho agny amin'gny tendrombohisy abo. 23Hamboly anizeho agny amin'gny tendrombohis'Israely Zaho dra handnransa vo hamokasy vihy zaho, dra hazary sedera malaza ze honegnan'gny voro managn'elasy aby zeho. Hitoesy eo amin'gny alokalok'ireo sapany ireo.24Dra ho fatasy gny hazo aby agny an-saha fa Zaho gny Yaveh. Mapietry gny hazo aby vo manandrasy reo hazo iva Zaho. Mapalazo gny hazo voatondraky Zaho sady mapisiry gny hazo maiky. Zaho gny Yaveh, fa nambarako fa hitranga zeho; sady fa nanao anizeho Zaho."'
Chapter 18

1Avy aminhy ndraiky gny zakan'i Yaveh, manao ho: 2"Ino gny tianiha hambara, hanao ze mapiasa anizeho ohabola zeho mahakasikin'gny tanin'Israely dra manao ho:' Gny ra dra mihina voaloboky madiro, vo gny nifin'gny zanaky dra nahy naragnisy'?3No bo velo koa Zaho--- zeho gny fagnambaran'gny Tompo Yaveh--- sy hisy fahafaha ho aniha hapiasa tiky ohabola tiky agny Israely sasy. 4Ingo! Gny fiaigna aby dra Anahy--- gny fiaignan'gny ra manahaky gny fiaignan'gny zanaky, Anahy ereo! Gny fagnahy ze manota gny ho faty!5Ino gny afaky zaka mahakasikin'gny olo ze mary vo ze magnatateraky gny rariny vo gny fahamarigna--- 6no sy mihina eo amin'gny tendrombonihisy na manandrasy gny masony amin'gny sapin'gny hasaveregnan'Israely izy, sady sy mandoto gny piara-belo amin'gny valny, magnariny apela amin'gny fadim-bolany, sa ra lelahy mary izy?7Ino gny afaky zaka mahakasikin'gny lelahy sy mapahory an'ia na ia, sady mapihery an'gny pitrosa ze napetrky ho ferova ho an'gny findramam-bola izy, vo sy mangalasy fa magnome gny hanihy ho an'gny resy vo magnasaro gny mitanzaky amin'gny fitafy, sa ra olo-mary izy? 8Ino gny afaky zaka mahakasikin'gny olo mangala tombony be loasy amin'gny vola indraminy, dra sy mangala tombony be loasy amin'ize aviliny? Nizaka mahakasiky anazy fa manday gny rariny vo mametraky fahatoka eo amin'gny olo izy. 9No mandeha amin'gny lalako zeho olo zeho dra mita gny liliko bo hiasa am-pahatokia, dra zeho gny fapagnantena ho an'itiky olo-mary tiky: ho velo vatany izy--- zeho gny fagnambaran'gny Tompo Yaveh.10Fa no ahy ho manan-zanaky mahery setry ze mandasa-dio vo manao maro amin'ireo raha ze nitanisay teto ereo 11ndre dra sy nanao reo raha reo aza gny rany, fa mihina eo amin'ireo tendrombohisy mamitaky gny piara-belo amin'gny valiny izy, ino gny afaky zaka mahakasiky anazy?12Mapahory gny mahantra vo gny mila fagnapia zeho olo zeho, dra mambabo sady mandroba izy, dra sy mapihery gny antoky, dra manandrasy gny masony amin'ireo sapy vo manao asa maharikoriko, 13dra mapindram-bola be loasy izy dra mangala tombony be loasy amin'ize aviliny, tokony ho velo se zeho olo zeho? Azo antoky fa sy ho velo! Ho faty vatany izy vo gny liony dra ho eo aminazy akory nanao reo raha mahasiravy aby reo izy.14Fa ingo! Hevero ho misy olo miteraky zaza lelahy, vo gny zanany lelahy dra mahita gny gny fahota aby ze nahin'gny rany, vo ndre dra hitany aza ireo, dra sy manao reo raha reo izy. 15Sy mihina eo amin'gny tendrombohisy zeho zanadahy zeho, dra sy manadrasy gny masony amin'ireo sapin'gny hasaveregnan'Israely, vo sy mamitaky gny piara-belo amin'gny valiny, ino gny afaky zaka mahakasiky anazy?16Sy mapahory ndre ia ndre ia zeho zanaky zeho, na manao antoky, na mangalaky raha nangalary, fe koa magnome gny haniny ho an'gny resy sady magnasaro gny mitanzaky amin'gny fitafia. 17Sy mapahory ndre ia ndre ia ndre mindram-bola be loasy ndre mangala tombony be loasy amin'gny findramam-bola zeho zanadahiny zeho, fe manday gny lalagnako vo mandeha araky gny liliko; sy ho faty nohon'gny fahotan-drany zeho zanadahiny zeho: azo antoky fa ho velo izy!18Akory mapahory gny hafa amin-kery sady mandroba gny rahalahiny, dra manao ze sy mety eo amin'gny olo, gny rany--- Ingo, ho faty amin'gny helony izy.19Fa hanao mizaka ho: 'Nagnino gny zanadahy gny sy manday gny heloky gny rany?' Akory fahisia vo fahamarigna sady mitandry gny lalagnako aby gny zanadahy; manao reo izy. Azo antoky fa ho velo izy! 20Gny raiky ze nanota, gny ho faty. Gny zanadahy dra handay gny heloky gny rany, vo gny ra sy handay gny heloky gny zanadahiny. Gny fahamarignan'gny raiky ze miasa soa dra ho aminazy avo, vo gny faharasian'gny rasy fagnahy dra ho aminazy avo.21Fa no miala amin'gny fahota aby ze nahiny gny rasy fagnahy, dra mitandry gny lalagnako sady manao gny rariny vo gny fahamarigna, dra azo antoky da ho velo izy fa sy ho faty. 22Gny fandikan-dalagna ze fa nahiny dra sy hapasiahivy anazy. Hiay amin'gny fahamarigna ze hahiny izy.23Sa ra vatany miravoravo fatrasy amin'gny fahafatesan'gny rasy fagnahy Zaho--- zeho gny fagnambaran'gny Tompo Yaveh--- fa sy amin'gny fialany amin'gny lalany so hahafahany miay?24Fa no miala amin'gny fahamarignany vo manota sady manao heloky vo fahavetaveta manahaky gny fahavetaveta aby ahin'gny olon-drasy gny olo-mary, dra ho velo se izy? Gny fagamarigna aby ze fa nahiny dra sy hapasiahivy sasy nofa mamadiky Anahy amin'gny famadihany izy. Dra ho faty amin'gny fahota ze nahiny izy.25Fa hanao mizaka ho: 'Gny lalan'gny Tompo dra sy ara-drariny!' Tenoy, ry hasaveregnan'Israely! Sa ra sy ara-drariny gny lalagnandrareo? 26Nofa miala amin'gny fahamarignany gny olo-mary, dra manota dra maty noho ireo, dra ho faty amin'gny fahota ze nahiny izy.27Fa no miala amin'gny faharasia ze nahiny vo manao gny rariny vo gny fahamarigna gny rasy fagnahy, dra hahavonzy gny fiaignany izy. 28Fa nahita dra niala tamin'gny fandikan-dalagna aby ze fa nahiny izy. Azo antoky fa ho velo izy, dra sy ho faty.29Fa gny hasaveregnan'Israely mizaka ho: 'Gny lalan'gny Tompo dra ara-drariny!' Amin'gny fomba akory gny sy maha-ara-drariny gny lalagnako, ry hasaveregnan'Israely? Reo lalagnaniha gny sy ara-drariny. 30Noho zeho dra hisara gny lelahy kiraikiraiky ao amindrareo anaky reo fombany Zaho, ry hasaveregnan'Israely!--- zeho gny fagnambaran'gny Tompo. Mibebaha dra mela amin'gny fandikan-dalagnandrareo so sy ho vato misaka fahota amindrareo ereo.31Alao amin'gny vatandrareo reo fandikan-dalagna aby ze fa nahindrareo reo; ahivo fo vaovao vo fagnahy vaovao gny vatandrareo. Nagnino hanao gny tokony ho faly, ry hasaveregnan'Israely? 32Fa sy faly amin'gny fahafatesan'ize maty Zaho--- zeho gny fagnambaran'gny Tompo Yaveh--- koa mibebahya dra miveloma!"
Chapter 19

1" Androany hanao, manaova fitomagnia hanohisy reo pitariky gny Israely 2dra zakao ho: 'Ia gny renindrareo? Liona vavy, nindray nitoboky tamin'gny zanaky gny liona izy; teo agnivon'gny liona tanora, nikolokolo reo zanany izy. 3Izy gny niteza gny raiky tamin'ireo zanany hazary liona tanora, liona ze nianasy namiravira reo hazany, vo dra nihina olo ereo. 4Bokeo reo firene nahare gny mahakasiky anazy. Trasy tao amin'gny fandrik'ereo izy, vo dra nandesin'ereo tamin'gny farangi ho agny amin'gny tanin'i Egypta.5Dra hitany fa ndre dra niamby gny fiheregnany aza izy, dra sy mana fagnatena ssasy izy amizao, dra nangala hafa tamin'ireo zanany izy dra niteza anazy hazary liona tanora. 6Niaodiaody teo agnivonireo liona zeho liona tanora zeho. Liona tanora izy dra nianasy namiravirava reo hazany; nihina olo izy. 7Nisamboriny reo pantavatan'ereo, sady niravany gny tanan'ereo. Gny tany vo gny fahafenony dra nafo nohon'gny feon'gny fierosiny.8Fa avy hanohisy anazy reo firene boaky amin;ireo faritany magnodidy; namelasy gny haraton'ereo teo amboniny ereo. Vaosambosy tao amin'gny haraton'erep izy. 9Tamin'gny faranga gny nanaovan'ereo anazy tao amin'gny fagnagiaza dra nandesin'ereo tagny amin'gny pazakan'i babyloa izy. Nandesin'ereo tagny amin'gny ferova fatrasy izy so sy ho re ao amin'ireo tendrombohis'Israely sasy gny feony.10Gny reniniha dra sahala gny voaloboky misiry ao amin'gny lioniha eo agnilan'gny rano. namokasy zehodra feno ransa nohon'gny fitobaky gny rano. 11Fatrasy gny ransan'izeho ze fapiasa ho tehin'ireo panapaky, vo gny haben'izeho dra nasandrasy ambonireo ransany, vo gny haabony dra hita amin'gny haben'gny raviny.12Fa nombota tamin'gny fahavignira gny voaloboky dra natoraky tamin'gny tany, dra nisy sioky boaky agny asinagna nagnamaigny gny vihiny. Reo ransany fatrasy dra tapatapaky sady nalazo dra gny afo gny nandevo anazy reo. 13Koa androany dra nambole agny an-tany efisy zeho, agny amin'gny tany maiky sady karakaigny.14Fa afo gny niboaky boaky tao amin'ireo ransany lahibe dra nandevogny gny vihiny. Sy misy ransa fatrasy sasy amin'izeho, sy misy tehy hanapaky.' Fitomagnia zeho dra ho hiray sahala gny hira fandala."
Chapter 20

1Vo tamin'gny tao fahafito, tamin'gny andro fahafolon'gny vola fahadimy, dra avy gny loholon'Israely hagnotany an'i Yaveh dra nitoboky teo agnoloako.2Dra avy taminahy gny zakan'i Yaveh, manao ho:3 " Ry zanak'olo, ambarao amin'gny loholon'Israely dra zakao andreo ho: 'Gny Tompo Yaveh mizaka zeho: Avy hagnotany Anahy se hanao? No velo koa Zaho, dra sy hagnotanianiha! --- zeho gny fagnambaran'gny Tompo Yaveh.'4Hisara andreo se hanao? Hisara se hanao, ry zanak'olo? Aoky ereo hahafatasy gny fahavetavetan'gny razambeny. 5Zakao andreo fa: 'YAveh Tompo mizaka zeho: Tamin'gny andro ze nisafidianako gny Israely sady nagnandratako gny tagnako so hifata fifata teo amin'ireo taranaky gny hasaveragnan'i Jakoba, sady napahafatarako andreo gny vatako tagny amin'gny tany Egypta, nofa nanandrasy gny tagnako so hifata fifata teo amin'ereo Zaho. Ho Zaho ho: "Zaho gny Yaveh Zagnaharindrareo"--- 6tamin'izeho andro zeho gny nagnandratako gny tagnako bo hifata amin'gny fifata eo amin'ereo fa handay andreo hiboaky amin'gny tany Egypta ho eo amin'gny tany ze fa nifantenako soa ho andreo Zaho. Tondra-dronono vo tately zeho; zeho gny firavaky soa loasy eo amin'gny tany aby.7Ho Zaho tamin'ereo: "Aoky gny olo kiraikiraiky hagnary reo raha maharikoriko eo agnoloan'gny masony vo reo sapin'i Egypta. Ka mandoto gny vatandrareo; Zaho gny Yaveh Zagnaharindrareo."8Fe nikomy taminahy ereo dra sy nety hiteno Anahy. Gny olo kiraikiraiky sy nisy nagnary gny raha maharikoriko teo agnoloan'gny masony na nahafo gny sapin'i Egypta, koa dra tapa-kevisy handraraky gny fahavignirako eo amin'ereo Zaho so hahafa-po gny hahoriako eo amin'ereo eo gnivon'gny tany Egypta. 9Niasa ho an'gny agnarako Zaho so sy ho voazimbazimbz eo amason'ireo firene ze nitoerany zeho. Napahafatariko teo amason'ereo gny vatako, tamin'gny fandesa andreo niboaky gny tany Egypta.10Koa dra nandefa andreo niboaky gny tany Egypta Zaho dra nanday andreo ho agny an'efisy. 11Dra nagnome nadreo gny lalagnako Zaho sady napahafatasy andreo gny liliko, ze hahavelo gny olo no magneky ireo izy.12 NAgnome andreo gny Sabatako ho famatara eo Aminahy vo ereo avo koa Zaho, so hahafataran'ereo fa Zaho gny Yaveh ze magnamasy andreo.13Fe gny taranak'Israely dra nikomy hanohisy tagny an'efisy. Sy hagnaraky gny lalagnako ereo; fe koa, nanda gny liliko, ze hahavelo gny olo na magneky anizeho ereo. Nanimbazimba tateraky gny sabatako ereo, koa nizaka Zaho fa hararako eo amin'ereo agny an'efisy gny hahoriako so hahalany taminga andreo. 14Fe niasa ho an'gny agnarako Zaho so sy ho zimbazimba eo amason'ireo firene zeho, ze teo amasony gny nadesako andreo niboaky tao Egypta.15Koa nanandrasy gny tagnako avo koa Zaho so hifata fifata amin'ereo agny an'efisy fa sy handay andreo agny amin'gny tany ze fa homeko andreo, dra tany tindra-dronono vo tately, zeay firavaky soa loasy eo amin'gny tany aby. 16Nifata anizeho Zaho akory nandiko gny liliko ereo sady sy nagnaraky gny lalagnako, vo nanimbazimba gny Sabatako, akory nagnaraky reo sapiny gny fony.17 Fa niantra andreo tamin'gny faharavany gny masoko sady sy nandripaky andreo tagny an'efisy Zaho.18Ho Zaho tamin'ireo zanadahiny vo zanakapelany tagny an'efisy ho: "Ka mandeha araky gny lalagnan'gny ray aman-drenindrareo; ka mitandry gny liliny na manimbazimba gny vatandrareo amin'gny sapy. 19Zaho gny Yaveh Zagnaharindrareo; tandremo gny liliko sady ankatoavy reo. 20Tandremo gny Sabatako masy so ho famatara eo Aminiha vo amindrareo reo, so hahafatarandrareo fa Zaho gny Yaveh Zagnaharindrareo."21Fa nikomy taminahy reo zanadahiny vo zanakapelany. Sy nandeha tamin'gny lalako ereo na nitandry gny liliko, ze manhavelo gny olo no magneky ireo izy. Nanimbazimba gny Sabatako ereo, kadra tapa-kevisy gny handraraky gny fahavignirako teo amin'ereo Zaho so hahafapo gny hahoriako tamin'ereo tagny an'efisy. 22Fe napivily gny tagnako Zaho vo niasa nohon'gny amin'gny agnarako, so sy ho vaozimbazimba eo amason'ireo firene ze teo amasony gny nagnaboahako gny Israely zeho.23Nanandrasy gny tagnako so hifata amin'ereo agny an'efisy avo koa Zaho, fa hapiely andreo eo amin'ireo firene sady hagnaparitaky andreo amin'gny tany. 24Nanapa-kevisy gny hanao anizeho Zaho akory sy nankato reo liliko ereo, dra akory nanda reo lalagnako ereo vo nanimbazimba gny Sabatako. Gny masony dra nagnaraky gny sapin'gny razamben'ereo.25Nofa zeho dra nagnome andreo gny lalagna ze sy soa, vo gny lily ze sy hahavelo andreo avo koa Zaho. 26Nandoto andreo tamin'gny fagnomezan'ereo Zaho nofa nanao soro gny volohan-terak'ereo aby sady nanoraky reo tao amin'gny afo ereo. Nanai anuzeho Zaho so hapihorohoro andreo dra hahafatarany fa Zaho gny Yaveh!'27Noho zeho, ry zanak'olo, mizaka amin'gny taranak'Israely dra zakao andreo ho: 'Gny Tompo Yaveh mizaka zeho: Tamin'izeho avo koa gny nizakan'gny razamabendrareo rasy Anahy tamy sy nahatoky Anahy ereo. 28Nofa nanday andreo ho ao amin'gny tany ze fa nifatako home anadreo Zaho, vo ndre ombia ndre ombia nahita havoa abo ereo vo hazo mandravy, dra nanolosy gny sosony ereo, napahaory Anahy tamin'gny fagnatiny ereo , vo tao avo koa gny nagnoroan'ereo ditin-kazony magnisy vo napizosony gny fagnatiny finomy. 29Dra ho Zaho tamin'ereo: "Ino tihoky toera abo ze handesandrareofagnatisy tihoky?" Koa dra nitoka ho Bama gny agnarany mandrak'androany.'30Noho zeho zakao amin'gny hasaveregnan'Israely ho: 'Gny Tompo Yaveh mizaka zao: Nagnino handrareo gny mandoto amin'gny fomban'ireo razambendrareo? Koa nagnino handrareo gny manao sahala gny pivarobata, mitalia reo raha maharikoriko? 31Fa nofa manolosy gny fagnatisindrareo handrareo vo mametraky gny zanadrareo lelahy agnaty afo, manomboky amin'iho andro iho handrareo dra mandoto gny vatandrareo amin'gny sapindrareo aby. Koa nagnino Zaho gny tokony hanenga andrareo hagnotany Anahy, ry hasaveregnan'Israely? No velo koa Zaho--- zeho gny fagnambaran'Gny Tompo Yaveh--- dra sy hanenga andrareo hagnotany Anahy Zaho. 32Gny hevisy ze miforo ao an-saindrareo dra sy ho taterany mihisy. Ho handrareo ho: "Aoky zahay hanahaky gny firen hafa, manahaky gny foko ao amin'gny tany hafa ze manopo hazo vo vato."33No velo koa Zaho--- zeho gny fagnambaran'gny Tompo Yaveh--- dra azo antoky fa hanzaka eo amindrareo Zaho amin'gny tagna mahery, sandry misandrasy, vo hahoria ze alasaky eo amindrareo. 34Handay andrareo hiala boaky eo amin'ireo olo hafa Zaho dra hamory andrareo boaky amin'ireo firene teo amin'ize nagnaparitaha andrareo. Hanao anizeho amin'gny tana mahery vo amin'gny hahoria nararaky Zaho.35 Dra handay andrareo agny an'efisy gny olo Zaho, vo agny gny hisarako andrareo mivanta.36Manahaky gny nisarako gny razambendrareo tao an'efisy gny tany Egypta, gny hisarako andrareo avo koa--- zeho gny fagnambaran'gny Tompo Yaveh. 37Hapandalo andrareo eo ambanin'gny sora-kazoko Zaho, dra hapagneky andrareo gny fepetran'gny faneke. 38Handio reo pikomy vo reo ze manohisy Anahy boaky eo amin'gny tany ze itobohan'ereo sahala gny vahiny Zaho, fe sy ho afaky gny hilisy amin'gny tanin'Israely ereo. Dra ho fatandrareo fa Zaho gny Yaveh.39Ka ho aniha, ry hasaveregnan'Israely, zeho gny zakan'gny Tompo Yaveh: Gny kiraikiraiky amindrareo dra tokony handeha agny amin'gny sapiny aby. Manopoa andreo nofa sy hiteno Anahy handrareo, fe aoky sy hanimbazimba gny agnarako masy amin'gny fagnomeandrareo reo sapindrareo sasy handrareo.40Fa eo amin'gny tendrombohisiko masy, eo an-tapon'gny tendrombohis'Israely--- zeho gny fagnambaran'gny Tompo Yaveh--- gny hasaveregnan'Israely aby dra hanopo Anahy ao amin'gny tany. Hahafaly Anahy gny mitaky gny fagnatisindrareo agny, vo gny voloham-bokasy gny fokondrareo mindray amin'gny raha masindrareo aby avo koa. 41Hagneky andrareo manahaky gny ditin-kazo magnisy Zaho nofa mamoaky andrareo boaky eo amin'gny olo sady mamory andrareo amin'ireo tana ze fa naganparitah andrareo. Haneho gny vatako ho masy eo amindrareo Zaho so ho hitan'ireo firene.42Vo, nofa manday andrareo agny amin'gny tanin'gny Israely Zaho, agny amin'gny tany ze fa nanandratako gny tagnako hafata fa ome gny razambendrareo, dra ho fatasindrareo fa Zaho gny Yaveh. 43Bokeo dra ho sarondrareo eo reo fomba rasindrareo, vo gny asandrareo aby ze nandoto gny vatandrareo, dra halay gny vatandrareo eo amasondrareo aby ze fa nahindrareo. 44Koa ho fatasindrareo fa Zaho gny Yaveh nofa manao anizeho amindrareo nohon'gny amin'gny agnarako Zaho, fa sy ho an'gny fomba rasindrareo na gny asa rasindrareo, ry hasaveregnan'Israely--- zeho gny fagnambaran'gny Tompo Yaveh."'45Dra avy taminahy gny zakan'i Yaveh, nanao ho: 46"Ry zanak'olo, magnatreha gny asimon'gny tany, dra mizaka magnasimp; maminania gny amin'gny hagnorena gny alan'i Negeva. 47Zakao amin'gny alan'i Negeva ho: 'Zao gny fagnambaran'i Yaveh--- gny Tompo Yaveh mizaka zao: Ingo, handrehisy afo eo amindrareo Zaho. Handevo gny hazo vaovao aby vo gny hazo maiky aby eo amindrareo zeho. Sy ho vono gny lelafo mirehisy; ho oroa ze iaby boaky agny asimo dra hatragny avarasy.48Dra ho hitan'gny nofo aby fa Zaho gny Yaveh nofa mapirehisy gny afo Zaho, dra sy ho faty zeho."' 49Dra ho zaho ho: "Indrisy! Ry tompo Yaveh, mizaka gny aminahy ereo hoe: 'Sa ra sy pizaka fagnohara avo izy?"'
Chapter 21

1ra avy taminahy gny zakan'i Yaveh, nanao ho: 2"Ry zanak'olo, atoliho magnatriky an'i Jerosalema gny tarehiniha, vo mizaka hanohisy reo toera masy; maminania hanohisy gny tanin'Israely. 3Zakao amin'gny tanin'Israely ho: 'Zeho gny zakan'i Yaveh: Ingo! Manohisy aniha Zaho! Haboakiko boaky ao amin'gny fitoerany gny mesako dra hanapaky gny olo-mary vo gny rasy fagnahy hiala aminiha!4Bo hanapahako gny mary vo gny rasy fagnahy hiala aminiha, dra hiboaky boaky amin'gny fitoerany hizera gny nofo aby hatragny asimo dra hatragny avarasy gny mesako.5 Dra ho fatasy gny firene aby fa Zaho, Yaveh, gny namoaky gny mesako boaky tao amin'gny fitoerany. Sy hhihemosy sasy zaho!'6Gny aminiha, ry zanak'olo, misetoa no vaky gny voaniha! Misetoa am-pahangidiza eo amason'ereo! Vo hagnotany aniha ereo ho: "Ino gny antony hisetoaniha?' 7Dra hizaka hanao ho: 'Nohon'gny amin'gny vaovao ze ho avy, fa ho ketraky gny fo aby, vo hizera gny tagna aby! Hiha-ketraky gny fagnahy aby, vo hikoria sahala gny rano gny pokopoko aby. Ingo! Hoavy anizeho dra manahaky anizeho! --- zeho gny fagnambaran'gny Tompo Yaveh."'8Dra avy taminahy gny zakan'i Yaveh, nanao ho: 9"Ry zanak'olo, maminania dra zakao ho: 'Zao gny zakan'gny Tompo: Zakao ho: Mesa! Mesa! ho ragnity zeho dra hahy mangira!10Ho ranity zeho so hapesa amin'gny famonoa lahibe! Hahy mangira zeho so hanahaky gny selasy! Tokony hifany amin'gny tehim-panzakan'gny zanako se sika? Halan'gny mesa ho avy gny sora-kazo aby manahaky anizeho! 11Koa dra home hahy mangira gny mesa, vo bo ho tanan'gny tagna bokeo! Voaragisy gny mesa dra nahy magnira dra home eo an-tagnan'gny raiky ze mamono anizeho!'12Mitokava vonzy dra mitomagnia, ry zanak'olo! Fa zeho mesa zeho dra avy hanzera gny oloko! Manohisy reo pitarik'Israely zeho. Natoraky ho amin'gny mesa nindray tamin'gny oloko ereo. Noho zeho, mizerazera fe! 13Fa misy gny fisara, fe ekory no sy mahasisy gny tehy? --- zeho gny fagnambaran'gny Tompo Yaveh.14Amizao hanao, ry zanak'olo, mifat sady mitehafa tagna, fa hizera fagnitelony mihisy aza gny mesany! Mesa ho an'ireo ze ho vono! Mesa ho an'ireo maro ze ho vono zeho, mitrobaky anadreo ndre eza ndre eza!15Bo hapisoniky gny fony vo hapitombo reo lavony, dra napetrako hanohisy gny vavahadin'ereo gny famonoan'gny mesa! Loza! Nahy manahaky gny selasy zeho, ze nafha ho agny ami'gny pivaro-kena! 16Hanao, ry Mesa! Manzera boaky eo akavagna! Manzera boaky eo akavia! Mandehana eo amin'ize hitolihan'gny tarehiniha. 17Fa hizera gny tagnako ro avo koa Zaho; vo bokeo dra handay gny fahavignirako ho amin'gny fisahara! Zaho, Yaveh gny magnambara anizeho!"18Avy taminahy ndraiky gny zakan'i Yaveh, nanao ho: 19"Amizao hanao, ry zanak'olo, manendre lala ro hiavian'gny mesa gny pazakan'i Babylona. Samby hanomboky eo amin'gny tany raiky avo reo lala ro, dra hisy takelaby hagnamariky gny raiky amin'ireo handay agny amin'gny tana.20 Mariho ho an'gny tafiky Babyloniana gn lala raiky so hagnagny Raba, gny tanan'gny Amnita. Moariho hanaday agny amin'gny tafik'i Joda vo gny tanan'i Jerosalema, ze voaaro fatrasy gny raiky hafa.21Fa gny pazakan'i Babylona dra hizano eo amin'gny sapagnan-dala, eo amin'gny fifanena, so hanao sikily. Hangozohozo sipiky maromaro izy sady hangataky tondro-lala boaky amin'gny sapy dra hizaha amin'gny atin-kena. 22Eo amin'gny tagnany havagnadra hisy fambara mahakasik'i Jerosalema, so hametraky andry vy fandrodagna hanzera anizey, so hanokasy gny vavany hibeko gny amin'gny famonoa, hamoaky korakin'aly, hametraky andry vy vo fandrodagna hanzera gny vavahady , hagnamboasy tovon-tany, sady hapisanga gny tilikambo fanaova fahirano. 23Ho ohasin'gny fambara sy misy dikany eo amason'ireo ze ao Jerosalema zeho, dra reo se nanao fifata voady tamin'gny Babyloniana! Fa hiapanga andreo nohon'gny fandika dina gny pazaka so hanaova fahirano andreo!24Noho zeho dra zao gny zakan'gny Tompo Yaveh: Akory hapasiahiviniha Anahy gny helokiniha, dra hiseho gny faharasisniha! Ho hita amin'gny asaniha aby gny fahotaniha! Noho zeho antony zeho dra hapasiahy gny olo aby hanao fa ho babon'gny tagnan'gny fahavaloniha hanao!25Gny aminiha, ry panapak'Israely pazimbazimba sady rasy fagnahy, ze fa avo hny andron'gny fagnasazia anazy, sady fa tapisy gny fotoa fanotany. 26Zeho gny zakan'gny Tompo Yaveh aminiha: soaho gny hamana dra alao gny satro-boninahisy! sy hitovy sasy gny raha aby! Asandrato reo mietry dra ahetreo reo misadondrody! 27Faharava! Faharava! Hahiko faharava tiky! Sy ho tafihery amin'gny laoniny zeho mandra-pahavin'gny raiky ze voatendry hagnatateraky fisara.28Koa hanao, ry zanak'olo, maminania dra zakao ho: 'zeho gny zakan'gny Tompo Yaveh amin'gny vahoakin'i Amona mahakasiky gny fahafaham-barakan'ereo ho avy: Sabasy, nisy sabasy naboaky! Niragnity ho an'gny famonoa zeho so handrapaky , koa dra sahala gny selasy zeho! 29No mahita fahita-poa ho aniha reo paminany, no bo manao fombafomba ze hiafara amin'gny vandy ho aniha ereo, dra hagnambara eo amin'gny tendan'ireo rasy fagnahy ze fa ho vono, ze fa avy gny andron'gny fisara anazy sady ze fa ho tapisy gny fotoan'gny fahotany iho mesa iho.30Aheregno ao amin'gny fitoerany gny mesa. Ao amin'gny toera nanahia aniha, ao amin'gny tany nipoiraniha, gny hisarako aniha! 31Halasako aminiha gny afon'gny fahasosorako dra hapetrako ho eo an-tagnan'gny olon-dozabe hanao, dra lelahy havagna amin'gny fandripaha!32Hazary soliky ho an'gny afo hanao! Ho eo agnivon'gny tany gny lioniha. Sy ho sarova hanao, fa Zaho, Yaveh gny nagnambara anizeho!"'
Chapter 22

1Dra avy taminahy gny zakan'i Yaveh, nanao ho: 2"Vo hanao, ry zanak'olo, hisara se hanao? Hisara gny tanan'gny lio se hanao? Apahafataro anazy gny fahavetavetany aby. 3Sy mainsy zakaniha ho: 'Zeho gny zakan'gny Tompo Yaveh: Tiky dra tana ze mandraraky lio eo agnivony so hahavian'gny fotoany; tana ze manao sapy so handotoa gny vatany.4Meloky nohon'gny lio ze fa nalasakiniha hanao, dra voaloton'ireo sapy ze nahiniha. Fa nahafo gny androniha vo napagnato gny taonoha farany hanao. Noho zeho dra hahiko ho hegnasy ho an'ireo firene hanao dra fihomeheza eo amason'gny tany aby. 5Reo ze mariny aniha vo reo ze lavisy aniha dra samby hagneso aniha, hanao ry tana maloto, sady fatasy amin'gny maha feno fifanzevogna aniha.6Ingo! Reo panapak'Israely, samby amin'gny fahefany aby, dra fa avy teo aminiha bo handasa-dio. 7Fa nangala baraka reo ra vo reny tao aminiha ereo, dra nagnatateraky fapahoria tamin'ireo vahiny teo agnivoniha. Rsy fandesa reo kamboty vo reo pandaivata tao aminiha ereo. 8FA nanao sinosino reo raha masy hanao sady nanimbazimba gny Sabatako. 9Reo lelahy pagnendrikendriky dra fa avy teo aminiha bo handasa-dio, sady mihina egny an-tendrombohisy ereo. Magnatateraky faharasia eo agnivoniha ereo.10Fa niharihary tao aminiha gny fitanzahan'gny ra. Fa nagnararaosy gny apela sy malio mandrisy gny fadim-bolany tao aminiha ereo. 11Reo lelahy ze manao fahavetaveta mindray amin'ireo valin'gny piray vodirindry aminazy, vo reo lelahy ze mandoto amin-kegnasy reo vinato vaviny avo; reo lelahy ze magnararaosy reo anabaviny--- dra reo zanakapelan'gny rany avo--- reo iaby reo dra eo aminiha.12 Reo lelahy reo dra mandramby kolikoly eo aminiha so handasahan-dio. Fa nandramy tombonu hanao sady nahazo tombony maro vatany, nandrava reo piray mony tamin'gny fapahoria hanao, dra nagnaligno Anahy--- zeho gny fagnambaran'gny Tompo Yaveh.13Indro! Tamy tagnako gny namelezako ireo tombony sy ara-drariny ze azonao, vo gny fandasahan-dra zay eo agnevonao. 14Hahazaka se gny fonao, hahery se gny tagnanao amy andro zay hamelezako anao? Zaho, Yaveh, gny magnambara anizay, dra hataoko zay.15Dra hagnaparitaky anao eo amin'ireo firenena zaho dra hampiely anao manera gny tany. Amin'izay fomba zay, gny hagnaliovako gny fahalotoanao aminao. 16Dra haloto eo amason'ireo firenena ianao. Dra ho fatanao fa Zaho gny Yaveh.'''17Laha teo dra avy taminahy gny zakan'i Yave, manao ho:18''Ry zanak'olo, aminahy gny ankohonan'Israely dra fa lasa tain-drendriky . Izy aby ireo dra sisam-barahina vo vy fosy, dra vy vo firaky eo agnevonao. Hanahaky gny tain-drendriky volafosy ao agnaty laforonao lahibe izy ireo.19Noho zay dra izao gny zakan'i Topo Yaveh:'Satria fa lasa manahaky gny tain-drendriky iandrareo aby, noho zay, ingo!Fa hamory andrareo eo agnevon'i Jerosalema zaho.20Manahaky gny volafosy vo varahina vy, firaky dra vy fosy voahavory eo agnevony lafory lahibe zay sy maisy hisy afo hisioky zay, gny handrendrehako anao. Dra hamory anao ao amy fahoriako zaho. Hapidiriko ao ianao dra hisioky gny afo ao amin'izay zaho ba handrendriky anizay;dra hamory anao amy fahoriako zaho ,dra hametraky anao ao zaho ka handrendriky anao. 21Dra hamory anao zaho dra hisoky anao amy afogny fahoriako ka ho rendriky eo agnevony ianao.22Manahaky gny volafosy rendriky ao agnevony lafory lahibe, gny haharendriky anao eo agnevony, dra ho fatanao fa Izaho, Yaveh, gny fa nandraraky gny faoriako taminao!'''23Avy taminahy gny zakan'i Yaveh, nanao ho: 24''Ry zanak'olo , zakao aminazy ho:'Ianao dra tany bo sy voalio. Sy misy ora amy andro gny fahoria!25Misy fiaraha-misikombakomban'ireo paminaniny eo agnevony, manahaky gny liona miero mamiravira gy hazany. Mandevo gny fiaiana izy ireo dra mangalaky hanagna sarobily; nagnenga pitondratena maro tao aminazy izy ireo!26Manao herisetra amy lalako ireo pisorony, dra manimbazimba ireo raha ko masy izy ireo. Sy magnavaky gny raha-masy vo raha voazimbazimba izy ireo, dra sy mampianasy gny fahasamihafa eo amy maloto vo gny malio. Magnavory gny masony amy Sabatako izy ireo ba hanimbazimba anahy eo agnevony. 27Reo andrian-dahiny ao aminazy dra manahaky gny amboadia mamiravira ireo hazany. Mandasa-dra izy ireo dra mandrava fiaigna, ba hahazoa tombony sy ara-drariny.28Nandoko anazy ireo tamy lalosy fosy ireo paminaniny; mahita fahita diso izy ireo dra maminany vandy amin'ereo. Hoy ereo ho:''Zao gny zakan'i Topo Yaveh''nefa sy nizakany avo Yaveh.29Reo ponigny tany dra nampahory tamin-kery vo nambobo tamy fandrobana, dra manao rasy fitondra gny mijaly vo gny fadirano izy ireo , sady mampahory gny vahiny sy amin-drariny.30Dra nitalia lelahy raiky tao amin'ereo ze hananga manda vo hisanga eo anatrehako eo amy elakelak'ireo ho agny tany zaho ba sy handravako anizay, fa sy nahita zaho.31Dra handraraky gny fahoriako ro amin'ireo zaho. Handringana anazy ireo amy afogny fahoriako dra hametraky gny lalany eo amy lohan'ireo avo -zay gny fagnambaran'i Topo Yaveh.'''
Chapter 23

1Avy taminahy gny zakan'i Yaveh, manao ho:2''Ry zanak'olo , nisy ampela ro raiky reny. 3Nanao manahaky gny pivaro-tena tagny Egyta tamy fotoa fahatanorany izy ireo. Nanao manahaky gny pivaro-tena izy ireo tagny. Gny trasin'ereo dra nofihinina dra gny nonony viriziny dra nisafosafony tagny. 4Gny agnaran'ireo dra Ohala-gny zokiny-dra Oholiba-gny zainy. Dra lasako izy ireo dra niteraky zanadahy vo zanakapela. Izao gny dikany agnaran'ireo:Ohala dra mizosoa hoe Samaria, dra Ohaliba dra mizosoa hoe Jerosalema.5Nefa bo nanao manahaky gny pivaro-tegna avo i Ohala na dra anahy avo izy; nila ireo malalany, ireo asyriana zay mazaka,6gny governora zay niakazo voloparasy, dra ireo manamboninahisy , zay matazaky vo soa tarehy izy, zay aby dra mitikisy sovala avo koa. 7Dra nanolosy gny vatany manahaky gny pivaro-tegna tamin'ireo, tamy lelahin'i Asyria soa indrindra , dra nandoto vata tamy olo-iaby zay nitaliaviny vo tamy sampin'ireo aby izy.8Fa sy nangany tagny Egypta gny fitndra-tegnany manahaky gny pivaro-tegna, raha niara-nandry taminazy izy ireo fony izy bo somondrara, raha vai nanomboky nanafosafo gny tratrany viriziny izy ireo, raha vao nanomboky nandraraky gny fizangazagany taminazy izy ireo.9Dra natoloso teo an-tagnan'ireo malalany, teo an-tagnan'ereo Asyriana zay nilany izy.10Nampita anazy izy ireo. Nalany reo zanadahiny vo zanakapelany , dra nivonon'ireo tamy lefo izy, dra avy hegnasy ho agny ampela hafa izy, dra nisaran'ereo.11Hitan'i Oholiba rahavaviny zay, saiky nana filana tamim-pagniria maro maro avo ko aza izy dra nizangazanga avo koa noho gny rahavaviny . 12Nila ireo Asyriana, ireo governora vo ireo manamboninahisy nazaka zay niakazo manaisy , zay lelahy mitikisy sovala izy . Lelahy matazaky vo soa tarehy avo koa izy aby. 13Hitako fa nandoto gny vatany izy. Nitovizan'izy mirahavavy zay.14Dra nampitombo gny fivarota-tagnany koa aza izy. Nahita lelahy natao sary sikotra tamy rindry izy, dra sarin'ireo Kaldeana noloko mena, 15manao fehikib eo am-balahany, vo hamama misy rambony eo an-dohany. Izy ay dra niendriky manahaky gny manamboninahisy gny tokon-kalesy, manahaky ireo zanadahin'i Babylona, zay teratany Kaldeana.16Vatany vo nahita anazy ireo gny masony, dra nila anazy ireo, ka dra nandefa iraky tagny amin;ireo tany Kaldea izy.17Dra avy teo aminazy o teo amy fandriany filany ireo Babyloniana, dra nandoto anazy tamy fizangazangany. Tamin'izay nataony dra voaloto izy, dra nipalisy niala teo amin'ireo tamy rikoriko izy.18Nampiseho gny fivatan-tegna izy dra naneho gny vatany mita, dra niala taminazy gny fagnahiko, manahaky gny nialany gny fagnahiko tamy rahavaviny.19Dra nivaro-tegna avo izy, raha nahatadidy vo nangala tahaky ireo andro gny fahatanorany, fony izy nanao manahaky gny pivaro-tegna tagny amy tany Egypta.20Dra nitalia ireo malalany izy, zay manahaky gny agn'ereo boriky gny farisy saro-palin'ireo, dra zay manahaky gny an'ereo sovala gny ranon'ay.21Zay gny nangalanao baraka gny fahatanoranao, raha nanafosafo gny nononao vo namihina gny tratranao tanora ireo Egyptiana.22Noho zay, ry Oholiba,izao gny zakan'i Topo Yaveh:'Ingo! Hampivalihako amanao ireo malalanao. Reo ze nialanao, hataoko manohisy anao amy lafiny aby izy ireo: 23dra ireo Babyloniana vo ireo Kaldeana aby, Pekoda, Soa, vo ireo Asyriana aby miaraky aminazy, matazaky, lelahy soa tarehy. ireo governora vo mpifehy, izy aby dra manamboninahisy avo koa sady lelahy malaza , mitikisy sovala avo koa ereo aby.24Hanohisy anao amy fitovam-pialia, vo amy Kalesy vo Kodia, dra amy vahoaky maro be izy ireo. Hametraky ampinga lahibe, ampinga masaiky, dra aroloha hanohisy andrareo agny amy magnodidy izy ireo. Homeko hiriky hamezigna anao izy ireo, ka hagnafay anao amin'ireo fanaony.25Fa hataoko eo amindrareo gny hahoriany hasarota-piaroko, ka hamely anao amy fahahoria. Hanapaky gny oronao vo gny sofinao izy ireo, dra ho matigny lefo gny sisa velo aminao. Ho alan'ereo gny zanakao lahy vo gny zanakao ampela, dra ho levo gny afo gny sisa velo aminao.26Hangalaky akazo izy ireo dra hangalaky gny firavakao aby. 27Dra hangalaky fitondra-tegnanao ao amy tany Egypta zaho. Sy hampiandrandra gny masonao am-pagniria agny amin'ireo ianao , dra sy hihevisy gny amin'i Egypta sasy.'28Fa izao gny zakan'i Topo Yaveh:'Ingo! Hatoloso eo an-tagnan'ireo ze mankahala anao ianao, miheregna eo an-tagnan'ireo zay fa nialanao.29Hamely anao am-pankahalana vatany izy ireo; hangalaky gny fanagnanao aby vo hamela anao hita vo sy mikapa izy ireo. Haharihary gny fahamegnara gny fitazaha gny fivarotan-tegnanao, dra ireo fitondra-tegna mahamegnasy vo gny fizangazanganao.30Reo raha ireo dra hatao aminao amy fanovanao manahaky gny pivaro-tegna, filany tamin'ireo sampiny. 31Nandeha tamy lalagny rahavavinao ianao, dra hataoko eo an-tagnanao gny kapoakigny famaiza anazy.''32Izao gny zakan'i Topo Yaveh:'Hisotro gny kapoaky rahavavinao ze laliky vo lahibe ianao. Ho avy fihomeheza vo foto-pihomeheza ianao-feno hipiky zay kapoaky zay.33Ho vontogny hamamoana vo alahelo ianao, dra gny kapoaky gny horohoro vo fandravana; gny kapoakin'i Samaria rahavavinao.34Hino anizay ianao ka handany zay;dra hanorotoro anizay ianao ka handrisy gny tratranao amin'ireo potiny. Fa nagnambara anizay zaho-zay gny fagnambarany topo Yaveh.'35Dra,izao gny zakan'i Topo Yaveh:'Satria fa nagnalino anahy vo nagnary anahy tao ivohonao ianao, dra hanahaky anizay koa gny hizakanao gny vokasy gny fitondra-tegna mahamegnasy vo gny fizangazanganao.'''36Hoy Yaveh taminahy:''Ry zanak'olo, hisara an'i Ohola vo Oholiba se ianao?Dra asehoy anazy ireo gny fomba rasiny, 37satria fa nizangazanga izy ireo, satria misy lio eo an-tagnany. Nizangazanga tamin'ireo sampiny izy ireo, dra nandefa gny zanadahiny tao agnatiny afo avo izy ireo, ho hany ho an'ireo sampiny.38Dra nanohy nanao anizao taminahy izy ireo: Nandoto gny fitoerako masy izy ireo, dra tamin'izay andro zay avo gny nandotoany gny Sabatako.39Fa gny namono ireo zanany ho agn'ireo sampy izy ireo , dra avy teo amy fitoerako masy tamin'izay andro zay avo ba handoto anizay! Ingo!Zay gny nataon'ereo taminahy teo agnevony tragnoko.40Nandefa lelahy zay avy lavisy ianao, dra ze nandefasa pinday hafasy -ingo amizao. Avy vatany izy ireo,ze nandronao,nandokoanao gny masonao, vo nipozianao ravaky gny vatanao.41Teo gny nipetrahanao tamy fandria soa vo teo an-databasy voalamy teo anoloan'izay ze nametrahanao gny litin-kazo nagnisiko vo gny dililoko.42Dra nagnodidy anazy gny feo-tabatabagny vahoaky; agnisan'izay gny karazan-delahy aby, na dra Sabeana avo dra nandesiny laha tagny agn'efisy , ka nasian'ereo haba gny tagnany dra satroboninahisy soa tarehy gny lohany.43Dra nizaka gny aminazy zay totagny fizangazanga zaho ho:'Ho fizangazanga aminazy izy ireo amizao, dra izy amii'ireo.44Nagnao aminazy ereo ka niara-nandry taminazy manahaky gny lelahy milisy ba hiaraky amy pivaro-tegna. Izay gny nandrian'ereo niaraky tamin'i Ohola vo Ohaliba, zay ampela rasy fitondra-tegna.45Nefa gny olo-madry hisara janga, dra hagnafay anazy ireo amy famezigna ho agn'ireo zay nandasa-dra, satria ampela janga ereo sady eo an-tagnan'ereo gny lio.46Dra izao gny zakan'i Topo Yaveh: Hananga vahoaky maro hanohisy anazy ireo vo hanolosy anazy ireo ho ampitahory vo robahy . 47Dra zay vahoaky zay dra hitora-bato anazy reo vo hanapaky anazy reo amy sabany. Hamono reo zanakindreo lahy vo ireo zanakindrareo ampela izy ireo handoro gny tragnon'ereo.48Fa hangalaky gny fitondra-tegna mahamegnasy anereo amy tany zaho dra hagnanasy gny ampela aby ba sy hizangazangan'ireo sasy.49Dra ho apetrany amindrareo gny fitondra-tegna mahamegnasy andreo. Hizaka gny heloky gny fahotandrareo , dra zay gny halalandrareo fa iandrareo, dra halalandrareo fa Zaho gny Topo Yaveh.''
Chapter 24

1Avy taminahy gny zakan'i Yaveh tamy tao fahasivy, tamy volana fahafolo, vo tamy andro fahafologny volana, nanao ho:2''Ry zanak' olo, soraty ho agny vatanao gny agnaran'itio andro itio, itio andro mary itio, fa tamy itio andro mary itio gny nanovagny pazakan'i Babylona fahirano an'i Jerosalema.3Dra mizaka ohabolana manohisy itio taranaky pikomy itio, fagnohara raiky. Zakao amin'ireo ho: ''zao gny zakan'i Topo Yaveh: Apetraho gny vilagny fandrahoa. Apetraho zay dra raraho rano ao agnatin'izay. 4Mamoro vainga-sakafo ao agnaton'izay, vaingany soa aby -gny feny vo gny sorony-dra fenoy an'ereo tolany soa indrandra zay. 5Alao ze soa indrindra amin'ireo agn'ondry dra tahofy ao ambanin'izay tola. Andeso amy finga boronory zay dra androhy ao agnatin'izay reo tola.6Noho zay dra izao gny zakan'i Topo Yaveh: Loza ho agny tanany lio, vilagny fandroha anizay harafesy gny ao agnatiny dra sy ho afaky zay heriky zay . Alao tsikelikely zay, fa ka hanova filokana.7Fa gny liony dra eo agnevony. Napetrany teo agn'abony vatolapy malama zay; sy nararany teo amy tany ho rakosy gny botany zay, 8dra nampiakasy hatehoria ho amy valifaty mary zay. Napetrako teo amy vatolapy malama gny liony ba sy ho voasaro.9Noho zay, gny Topo Yaveh dra mizaka anizao : Loza ho agny tanany ra. Hagnapy gny hita avo koa zaho . 10Hatohofy gny hita dra areto gny afo. Ahandrohy soa gny hany dra aharoy ireo hagnisy dra angao ho ma reo tolany.11Laha teo atovy sy misy na ino na ino eo agn'abony afo gny vilagny , ba hampafana vo hagnoro gny varahiny, dra hiharo gny loto ao agnatiny, ho levo gny heriky.'12Lasa reraky noho gny fisasarany izy, fa gny herikiny dra sy niala taminazy tamy afo.13Gny fitondra-tegnanao mahamegnasy dra ao amy fahalotoanao, satria nagnalio anao zaho, kanefa sy bo nalio ianao. Sy bo ho afaky amy fahalotoanao ianao mandra-pisahatry gny hahoriako aminao.14Zaho, Yaveh, dra nagnambara anizay, dra ho ataoko zay. Sy hizano zaho na hiantra. Araky ireo lalandrareo, vo araky reo asandrareo, dra hizano andrareo reo! Zay gny fagnambarany topo Yaveh.''15Laha teo avy taminahy gny zakan'i Yaveh, nanao ho:16''Ry zanak'olo! Ingo, alako aminao amy areti-mamono gny fagniriagny masonao, kanefa ao ianao sy handala na hitomagny, dra ao sy ho lasaky gny ranomasonao.17Ao hiay mangiky ianao. Ka manao fandevegna ho agny maty. Fehezo gny hamamanao dra asio kapa gny tombonao, fa ka sarogna voaly gny volombavanao na mihina gny mofo gny olo zay mandala noho gny fahoria gny valin'ereo ianao.''18Dra nizaka tamy olo zaho gny maray, dra maty gny valiko gny hariva. Gny maray zaho dra nanao ze nandidia anazhy ho atao.19Nagnontany anahy gny vahoaky ho:''Sy hizaka aminay gny dikan'ireo raha reo se ianao, reo raha zay ataonao?'' 20Dra hoy zaho tamin'ereo ho:''Avy taminahy gny zakan'i Yaveh, nanao ho: 21'Zakao amy taranak'Israely, izao gny zakan'i Yaveh: Ingo! Ho zimbazimbako gny fitoerako masy-gny reharehagny herindrareo, gny ditraky gny masondrareo, vo gny fagniriany fanahindrareo, dra ho lavo amy sabasy ireo zanadahiny vo zanakapelandreo zay nangandrareo.22Dra hanao mitovy manahaky anizay fa nataoko iandrareo: Sy handomboky gny volombavandrareo indrareo, na hihina gny mofo gny olo! 23Fa ho eo an-dohandrareo gny satrokindrareo, dra gny kapandrareo ho eo an-tombondrareo; sy handala iandrareo na hitomagny , fa ho ketraky amin'ireo helokindrareo iandrareo, dra gny olo kirairaiky dra hiay ho agny rahalahiny. 24Dra ho famatara ho andrareo i Ezekiela, dra araky zay aby nataony. Laha teo dra ho fatandrareo fa Izaho gny Topo Yaveh!'''25''Fa ianao, ry zanak'olo, amy andro ze hahazoako gny tempolin'ireo , zay hafalian'ireo, reharehan'ereo, vo zay hitan'ereo vo iriny-dra fa gny alako ireo zanadahiny vo zanakapelany- 26amin'izay andro zay, dra hisy pisoa-ponrna ho avy eo aminao ba hagnome anao ireo vaovao! 27Amin'izay andro zay dra hisokasy amin'izay pisoa-ponena zay gny vavanao dra hizaka anao-sy hangina sasy ianao. Ho famatara ho anazy ireo ianao ba ho fatasin'ereo fa Zaho gny Yaveh.''
Chapter 25

1Dra avy taminahy gny zakan'i Yaveh, nanao ho:''2Ry zanak'olo, atoliho amy vahoaky Amonita gny tavanao dra maminania manohisy anazy ireo.3Zakao amy vahoaky Amonita ho: 'Tenoy gny zakan'i Topo Yaveh, izao gny zakan'i Topo Yaveh: Satria ianao nizaka ho:''Hia! ''teo amy fitoerako masy raha nozimbazimbany zay, dra nanohisy gny tanin'Israely raha lao zay, dra nanohisy gny ankohonan'i Joda raha lasa sesi-tany izy ireo ,4noho zay ingo, omeko ho agny vahoaky agny asignana ho fagnanan'ereo ianao. Hagnory toby hanohisy anao izy ireo dra hagnory gny lain'ereo eo amin ao. Hohanin'ereo gny vokasinao dra ho nominy gny rononao. 5Hataoko fihinanam-bilo gny rameva i Raba dra gny vahoaky Amonita ho sahagny agn'ondry vo osy. Dra ho fatanao fa Zaho gny Yaveh.6Fa gny Topo Mizaka anizaoP: ''Nitehateha-tagna vo nigado-tamboky ianao, dra niravoravo tamy fagnamavoa aby teo aminao hanohera gny tanin'Israely. 7Noho zay, ingo! Hamely anao amy tagnako zaho dra hanolosy anao ho babon'ireo firenena. Ho fongorako sy ho eo amin'ireo ianao firenena ! Ho ravako ianao , dra ho fatanao fa Izaho gny Yaveh.'8Gny Topo Yaveh mizaka anizao:'Satria Moaba vo i Seira nizaka ho:''Ingo! Gny ankohonan'i Joda dra manahaky gny firenena hafa aby.'' 9Noho zay, ingo! Ho sokafiko gny fefin'i Moaba, manomboky eo amin'ireo tananany eo amy fari-tany-gny hasaran'i Beti-jesimota, Bala-meona, dra Kiriataima- 10magnagny amy vahoaky aby agny asignana zay nanohisy gny vahoaky Amonita. Hafoko hanahaky gny fanagna ereo ba sy ho tadidy eo amin'ireo firenena gny vahoaky Amonita. 11Dra hanao fisara manohisy an'i Moaba zaho, dra ho faran'ereo fa Izaho gny Yaveh.'12GNY Topo Yaveh mizaka anizao: 'Edoma dra namaly faty nanohisy gny ankohonan'i Joda dra nanao rasy tamy nanovany anizay. 13Noho zay, gny Topo Yaveh mizaka ho: Hamely an'i Edoma amy tagnako zaho dra handringa gny olo aby vo gny biby ao . Hataoko rava gny toera, nafoy, hatragny Temana ka hatragny Dedana ereo. Ho lavo-sabasy ereo.14Hataoko eo amin'i Edoma gny valifatiko amy alalany tagnan'Israely vahoakiko, dra ho ataon'ereo amin'i Edoma araky gny fahoriako, dra ho fatasin'ereo gny valifatiko-zay gny fagnambarany Topo Yaveh.'15Gny Topo Yaveh mizaka anizao : 'Ireo filistiana dra namaly faty tamy lolom-po dra tao agnatin'ireo dra niezaky nandrava an'i Joda rava. 16Dra izao gny zakan'i Topo Yaveh : Ingo! Hanondrosy gny tagnako eo amin'ireo Filistina zaho, dra ho fongoroko gny Keretita dra ho ravako zay sisa tavela egny amoron-dranomasy. 17Fa hanao famalia lahibe hanohisy anazy ireo zaho amy fahoriany asa fagnasazia , ba ho fatasin'ereo fa Izaho gny Yaveh, fa gny mamaly faty anazy ireo zaho.'''
Chapter 26

1Dra tamy tao fahiraiky amby folo, tamy andro volohany volana, dra avy taminahy gny zakan'i Yaveh, nanao ho:2''Ry zanak'olo, satria Tyro nizaka nanohisy an'i Jerosalema ho: ' Hia! Toro ireo fefy gny olo! Niala taminahy izy; dra ho feno zaho satria rava izy.'3Noho zay gny Topo Yaveh mizaka anizao: 'Ingo! Manohisy anao zaho, ry Tyro, dra hananga firenena maro hanohisy anao zaho manahaky gny ranomasy magnenga gny morony. 4Handrava an'ireo fefin'i Tyro izy reo dra handavo reo tilikambony. Ho fafako hiala ireo botany dra hanao anazy manahaky gny vatolapy mangadihady zaho.5Ho avy toera fagnaza haroto eo agnevony ranomasy izy, fa Izaho gny nagnambara anizay- zay gny fagnambaran'i Topo Yaveh- dra ho lasa babo ho an'ireo forenena izy. 6Reo zanakapelany zay agny an-tanimboly dra ho vono amy lefo, dra ho fatasin'ereo fa Izaho gny Yaveh.'7Fa izao gny zakan'i Yaveh : Ingo, avy agny avarasy gny hindesako an'i Nebokadnezara pazakan'i Babylona, pazakan'i pazaka, hanohisy an'i Tyro, miaraky amin'ireo sovala vo ireo kalesy, dra miaraky amy pitikisy sovala vo vahoaky maro be. 8Hamono ireo zanakapelanao agny antanimboly izy. Hananga tovo-tany vo hamboasy fiakara eo amin'ireo mandanao dra hananga ampinga hanohisy anao izy.9Hapetrany hamely anereo mandanao ireo andry vy fandrobahany , dra ireo fitovany gny handrobaha ireo tilikambonao.10Ho maro vatany ireo sovalany handrakosy anao gny bobony. Reo mandanao dra hihozongozo amy feony pitikisy sovala, dra kalesy. Fa gny milisy ireo fefinao izy, dra hilisy manahaky gny olo zay avy ao amy tana ze fa nirava ireo mandany. 11REo kitro-sovalany dra hagnisakisaky ireo lalanao aby. Ho vono amy lefo ireo olonao dra ireo andry vatomafinao dra holavo amy tany.12Ho babon'ereo gny hanagnanao dra ho robay ireo entam-barosinao. Harodany ireo mandanao dra ho ravany ireo lapasoanao. Reo vatonao, hazonao, dra gny bobony dra ho arian'ereo agny amin'ireo rano. 13Hasandrato gny feony hiranao. Sy ho re sasy gny feon-dokanganao. 14Hataoko vatolampy mangadihady ianao, ho avy toera fagnazana harato ianao. Sy hasanga sasy ianao, fa Izaho, Topo Yaveh gny fa nizaka -anizay gny fagnambarany topo Yaveh.15Nizaka anizao tamin'i Tyro gny Topo Yaveh: 'Sy hihorohoro se ireo nosy amy feony faharanao, vo amy fiseton'ereo marasy raha eo agnevonao gny famonoa mandanginy? 16DRa ireo zagnahary ranomasy aby dra hiala amin'ireo seza fiandrianany dra hangalaky gny ankazon'ereo dra hamela ireo ankazo misy peta-kofehin'ereo. Hanafy gny vatan'ereo amy fangitikitia nereo. hipetraky eo amy tany dra hangitikitiky isaky gny mihesiky , dra ho tohana noho gny aminao izy ireo.17Hanandrasy fitomagnia ho anao izy ireo dra hizaka aminao ho: Amy fomba manao akory, ianao zay nonenan'ireo tasambo, gny naharava anao. Gny tana malaza ze tena natazaky-lasa agny an-dranimasy zay amizao. Reo zay nitoera tao aminazy fahiny dra magnaparitaky horohoro momba anazy ireo amin'izay aby nipetraky mariny anereo. 18Amizao reo moro-siraky dra mangitikitiky amy andro faharavanao. Reo nosy agny an-dranomasy dra matahosy , satria maty ianao.'19Fa gny Topo Yaveh mizaka anizao: Fa gny hataoko tana lao ianao, manahaky reo tana hafa zay sy misy mipetraky , fa gny mananga gny laliky hanohisy anao zaho, dra fa gny mandrakosy anao gny rano be, 20dra ho andesiko milisy amin'ireo vahoaky taloha ianao, manahaky ireo hafa zay nizoso tagny an-davaky ; fa hataoko mitoesy agny amin'ireo farisy farany ambany gny tany ianao manahaky gny rava tamin'ereo fotoa taloha. Noho zay dra sy hihery sasy ianao dra sy hisanga eo my taniny velo.21Hataoko eo aminao gny loza, dra sy hisy sasy ianao mandrakizay. Dra ho taliavy ianao, fa sy ho hita sasy -zay gny fagnambarany topo Yaveh.''
Chapter 27

1Avy taminahy draiky gny zakan'i Yaveh, nanao ho: 2''Dra ianao, ry zanak'olo, manomboha hiasa fandala mahakasiky an'i Tyro, 3dra zakao amin'i Tyro, zay mony agnatin'ireo fefiny ranomasy , pandrato ho agny vahoaky agny amy nosy maro, gny topo Yaveh mizaka anizao aminao: Ry Tyro, fa nizaka ianao ho: 'Izaho dra tateraky amy hasara-tarehy.'4Gny fari-taninao dra egny amy fo gny ranomasy; ireo pagnory anao fa nahavy lafasy gny hasaranao. 5Nataon'ereo tamy kipreso laha tagny amy tendrombohisy Hermona gny hazo pisakao aby; nangalaky sedera laha tagny Libanona izy ireo hanova andri-sambo ho anao.6GNy fivoinao dra nataon'ereo tamy hazo terebitan'i Basana; hazo kipreso laha tagny Kipra gny nanovan'ereo gny tokotani-sambanao, sady nipetahany ivoara ireo. 7Niloko rongony fosy laha tagny Egypta zay manahaky ireo fagnevanao gny lainao!8Reo zay mony tagny Sidona vo Arvada gny pivoinao; reo olo-kendrin'i Tyro gny ao agnatinao; izy reo gny pinday anao. 9Panao asa tagna matihany indrandra laha tagny Bablosy gny ho panesi-sambonao vo ireo tasambony eo aminao dra ninday gny etam-barosinao ho amy takalo.10Persia, Lydia, dra i Libya dra tao amigny tafikao, lalehypialinao. Nagnato apinga vo aroloha tao aminao ereo; naneho gny famirapiratanao ereo. 11Reo lelahin'i Arvada vo Heleka tao amigny tafikao gny teo amigny rindrinao magnodidin'anao, dra gny vahoak'i Gamada gny tao amireo tilikambonao. Nagnato gny apingan'ereo teo amigny rindrinao nagnodidin'anao ereo! Nameno gny hasoanao ereo reo.12Tarsisy dra nama pandrato niaraky taminao nohonigny hamarony gny harenao havily: Volafosy, vy, faniso, vo firaky. Nivily vo namarosy gny etanao ereo! 13Javana, Tabala, vo Meseka__nanakalo andevo vo fitova vita amigny varahy ereo. Nihazo gny etam-barosao ereo.14Bet-togarma gny namasy sovala, sovala fitikira, dra apondra ho etam-barosao. 15Reo lelahin'i Dadana gny pandratonao eranigny morosiraky maro. Etam-barosy gny teo atagnanao; nagnery tandroky, ivoara, dra hazomety ereo ho fagnatisy!16Syria gny pandrato teo amigny vokasao maro; namasy emeralda, voloparasy, lamba miloko, lamba madiniky, perla, dra vatosoa ho etam-barosao ereo. 17Joda vo gny tanin'Israely dra nanakalo niaraky taminao. Namasy vary boak'agny Minita ereo, mofomamy, tately, dililo, dra balsama ho etam-barosao. 18Damaskosy dra pandrato reo vokasao aby, reo harenao lahibe aby, dra gny divain'i Helbona vo gny volon'agnondry fosin'i Zahara.19Dana vo Javana boak'agny Ozala namasy anao etam-barosy vy voatefy, Kanelina, dra veromagnisy. Izay dra lasa etam-barosy ho anao. 20Dedana dra pandratonao amigny lamba atao lamba sovala. 21Arabia vo reo pifehin'i Kedara aby gny pandrato nindray taminao; namasy anao zanak'agnondry, agnondry lahy vo osy ereo.22Reo pandraton'i Seba vo Rama dra avy ba hivarosy aminao gny rahamagnisy soa faratapony aby vo karazam-bato sarobily; namarosy volamena ho anigny etam-barosy ereo. 23Harana, Kane, dra Edena gny panakalo niaraky taminao, niaraky tamin'i Seba, Asora, vo Kilmada.24Reo aby gny pandratonao nagnisy lamba fosy vita amigny lamba volo-parasy marevaka, vo lamba firakosy miloko samihafa natao petakofehy, dra lamba soa tegno tao amireo senanao. 25Reo sambon'i Tarsisy gny pitatisy gny etam-barosy egny amigny agnevonigny ranomasy!26Nandesin'ireo pivoinao tagny amireo ranomasy midadasiky hanao; gny sio-drivosy tasignananao gny namotiky anao tagny agnevon'ireo. 27Gny harenao, etam-barosy, vo fitova atakalo; reo tasambo vo reo pinday sambonao, vo reo piasa asambo; reo pandrato gny etam-barosy vo reo lelahy pialinao aby ze ao aminao, vo gny tarikao aby__hiletiky agny amigny lalinigny ranomasy izy reo amigny andronigny faharavanao.28Hatahosy amigny feo-tomagnin'ireo pinday sambonao reo tana ao an-dranomasy; 29Reo aby mihazo fivoy dra hily boak'egny amigny sambon'ereo; hizoro egny atany reo tasambo vo reo pinday sambo aby egny amigny ranomasy. 30Boak'eo hapiteno anao gny feony ereo dra hidradradra fatrasy; hamory botany eo an-dohany ereo. Hihodikody eo amigny lavenoky ereo.31Handrasy gny lohany ho sola ho anao ereo dra hamely gny vatany amigny lamba fandala, dra hitomagny fatrasy eo aminao ereo dra hihiaky fatrasy. 32Handrasy gny dradradradra-pitaregnany ho anao vo hihira fandala eo aminao ereo, iza gny mitovy amin'i Tyro, ze fa nandesy ho amigny fahangina egny agnevon-dranomasy amizao? 33Gny fa nandeha tegny androanga boak'agny an-dranomasy gny etam-barosao, dra nahafapo olo maro zay; napanandraha reo pazakanigny tany amigny habenigny harenao vo gny etam-barosao hanao!34Fe gny fa nitorotoronigny ranomasy, vo gny rano laliky hanao, dra niletiky gny etam-barosao vo reo poninigny morosiraky aby, dra reki-tahosy gny fatahora reo pazakany! 35Rikorikotaminao reo poninigny morosiraky aby, dra reki-tahosy gny fahatahora reo pazaka! Natahosy gny tarehin'ereo! 36Misioky anao reo pandratonigny vahoaky; lasa horohoro hanao, dra sy ho mandrakizay sasy."
Chapter 28

1Dra avy taminahy gny zakan'i Yaveh, manao anizahoky ho: 2"Ry zanak'olo, zakao amigny panapak'i Tyro ho: 'Izao gny zakanigny topo Yaveh: Miavognavo gny fonao! Hoy hanao ho: "zagnahary zaho! Hitoby eo amigny sezan'ireo zagnahary eo agnevonigny ranomasy zaho!" Na dre olo aza hanao fa sy zagnahary, dra manao gny fonao hanahaky gny fonigny zagnahary hanao; 3mihevesy hanao fa hendry noho Daniela, dra sy misy siambaratelo mapitolagaga hanao!4Napanan- karena gny vatanao tamy fahendrena vo fahaiza-manao ianao, dra nahazo volamena vo volafosy tao amin'ireo fagnazan-drakisinao ! 5Tamy fahendrena vo tamy varosinao, dra miavognavo gny fonao noho ireo tezanao.6Noho zay, gny Topo Yaveh mizaka anizao:''Satria nanao gny fonao ho tahaky gny fogny zagnahary ianao, 7drahinday vahiny hanohisy anao zaho, lelahy mampatahosy aby amin'ireo firenena hafa. Hinday ire sabany hamely gny hasarany fahendrenao izy ireo , dra sy hagnamasy gny famirapiratanao.8Nandefa anao hizoso agny amy lavaky izy ireo, dra ho maty amy fahafatesan'ereo zay maty agny agnevony ranomasy ianao. 9Moa se hizaka gny mary ianao ho:''Zagnahary zaho'' amy tarehin'ereo ze mamono anao? Olo ianao fa sy Zagnahary, dra ho eo an-tagnan'izay mandefona anao ianao . 10Ho maty manahaky gny nahafatesany sy voafora amy alala tagnan'ireo vahiny ianao, fa nagnambara anizay zaho-zay gny fagnambarany Topo Yaveh.''11Avy taminahy dray gny zakan'i Yaveh, manao ho:12''Ry zanak'olo , manan-drata hira fandala ho agny pazakan'i Tyro dra zakao aminazy ho:'Gny Topo Yaveh mizaka anizao: ianao gny poziny fahatateraha , feno fahendrena dra lafasy amy hasoa-tarehiny. 13Tao Edena, gny sahan'Agnahary ianao. Mandrakosy anao ireo vato sarobily aby: robina , topazy, emeralda, krysolita, onyksa, jaspy, safira, karneola, dra gny beryla. Vita amy volamena reo toeranao vo ireo tendrombohisinao. Tamy andro namorona anao gny fa nagnomana anizay.14Nametraky anao teo agn'abony tendrombohisy masin'Agnahary tahaky gny Kerobima voahosotsy hiamby gny olombelo zaho. Teo agnevon'ereo vato mirehisy ze handehananao hanao. 15Nana sy fivalia tamy ereo lalanao hanao manomboky taminy andro ze namorogna nanao dra disikaminy nahita gny rariny teo aminao./v 16Tamy lalan'ereo varosy lahibe dra lasa feno herisetra hanao, dra gny nanota hanao. Dra nariako hiala amy tedrombohitr'andriamanitra hanao, manahaky gny raiky ze voaloto, dra niravako hanao, dra mpiamby kerobima, dra nandesiko avy teo amin'ereo vato mirehisy hanao. 17Niavognavo gny fonao niaraky tamin'ny hasoanao; nanimbo gny fahedrena hanao nohony famirampiratanao. Nandefa hanao hizoso amy tany zaho. Nametraky anao ho eo alohan'ereo mpazaka zaho ba hahafahan'ereo mahitaanao.18Noho gny fahotanao maro be vo ireo raharahanao sy mary, dra nandoto reo fitoeranao masy ianao. Dra nampiboaky afo aby aminao zaho; handevo anao zay. Hamaliky anao ho lavenogna eo amason'ereo aby zay magnety anao zaho. 19Reo aby zay nahafatasy anao teo amy vahoaky dra hangitikitiky aminao; hapatahosy anereo, dra sy ho mandrakizay sasy ianao.'''20Dra avy taminahy gny zakan'i Yaveh, manao ho:21''Ry zanak'olo, atoliho agny amin'i Sidona gny tarehinao dra maminania manohisy anazy. 22Mizaka ho:''Gny Topo Yaveh mizaka anizao: Ingo! Manohisy anao zaho, ry Sidona! Fa homem-boninahisy eo agnevonao zaho dra ho fatasy gny vahoakinao fa Izaho gny Yaveh fa gny magnatateraky gny fisara aminao zaho.Haseho ho masy eo aminao zaho.23Hampiboaky areti- mamono aminao vo lio egny amin'ireo lalanao zaho, dra gny faty dra holavo eo agnevonao. Fa gny ho avy hanohisy anao laha tagny amy magnodidy aby gny sabasy , dra ho fatanao fa Izaho gny Yaveh. 24Dra sy hisy roy mampahory vo silo mamparary ho agny taranak'Israely sasy laha tamy nereo aby zay magnadidy anazy dra manao ho fatasin'ereo fa Izaho gny topo Yaveh!'25Hoy gny Topo Yaveh ho:'Fa gny mamory gny taranak'Israely laha tamy vahoaky tamin'izay nampielezy anazy ireo zaho, dra fa gny voatoka eo amin'ereo zaho, ba hahafahan'ereo firenena mahita, dra hanao ireo fonenan'ireo ao amy tany ze nomeko an'i Jakoba panompoko izy reo. 26Dra hiay am-pilamina ao aminazy ereo dra hananga tragno, hanao reo tanim-boloboky , dra hiay am-pilamina fa gny magnatateraky fisara amin'ereo aby zay laha tamy magnodidy nanao sinosino anazy reo; dra ho fatasin'ereo fa Izaho gny Yaveh Zagnaharin'ereo!'''
Chapter 29

1Tamy tao fahafolo. tamy volana fahafolo tamy andro faharo amby folo gny volana, dra avy taminahy gny zakan'i Yaveh, nanao ho:2''Ry zanak'olo , ampifanatreo amin'i Farap , gny pazakan'i Egypta gny tarehinao; maminania manohisy anazy vo manohisy an'i Egypta aby. 3Ambarao dra zakao ho:'Izao gny zakan'i Topo Yaeh: Ingo! Manohisy anao zaho, ry Farao , pazakan'i Egypta. Ianao gny biby masiaky lahibe ze mivony eo agnevony renirano, zay manao ho: '''Anahay gny renirano. Nataoko ho agny vatako zay.'''4Hasiako farango gny valanoranonao, dra gny hazandrano gny Neily dra hipitiky amy kiranao; hapiakariko laha teo agnevony reniranonao miaraky amy hazandrano gny reniranonao ze mipitiky amy kiranao ianao. 5Hatorako agny agn'efisy ianao, vo gny hazandrano aby laha tao amy reniranonao. Holavo ao amy saha ianao; sy ho havory ianao na hapiakary. Homeko ho sakafo ho an'ereo raha-managnay tagny vo ho an'ereo voro gny lagnisy ianao.6Laha teo gny pinin'i Egypta aby hahafatasy fa Izaho gny Yaveh, satria fa tahona volotara ho agny ankohonan'Israely izy ireo. 7Fa gny nandray anao tegny an-tagnany izy ireo , dra tapaky ianao dra nosokafanao gny sorok'ereo; dra fa gny niatehisy taminao ereo, dra tapaky ianao, dra napihozohozo gny tombon'ereo ianao.8Noho zay dra izao gny ambarany Topo Yaveh: Ingo! Hinday lefo hamono anao zaho. Hanapaky gny olo vo gny bibidia eo aminao zaho. 9Dra ho lao vo rava gny tanin'i Egypta. laha teo dra ho datasin'ereo fa Izaho gny Yaveh, satria gny dragona(devoly) lahibe nizaka ho: ''Anahy gny renirano, satria izaho gny nanao anizay.'' 10Noho zay, ingo! Manohisy anao vo gny reniranonao zaho, dra hataoko rava gny tanin'i Egypta , dra ho tany rava laha tagny Migdola dra hatra Syena dra hatramy sisin'i Kosy ianao.11Sy hisy tombon'olo handeha amin'izay, dra sy hisy tomboky bibidia handeha amin'izay. Sy hisy pony mandrisy gny efa-polo tao zay. 12Fa ho ataoko rava eo agnevon'ereo tany sy misy pony gny tanin'i Egypta, dra ireo tananany eo agnevon'ereo tana rava dra ho faharava mandrisy gny efa-polo tao; laha teo Egypta haparitako eo amin'ireo firenena , dra haeliko manera ireo tany izy ireo.13Fa izao gny ambarany Topo Yaveh: Fa gny afaky efa-polo tao dra hahoriko laha tamin'ereo vahoaky eo amin'ereo zay niparitahan'ereo gny Egyptiana. 14Ho aheriko amy farisin'i Patrosa, gny tany niaviany ireo, Laha teo dra ho fazaka ambany izy ireo agny.15Ho ambany be amin'ireo fazaka zay, dra sy ho hanandrasy eo amin'ireo firenena sasy. Ho akeliziko izy ireo dra sy hanapaly eo amin'ereo firenena sasy. 16sy ho ato gny tokin'ireo ankohanan'Israely sasy reo Egyptiana. Fa dra ho fampasiahivana gny heloky ze nataon'Israely fa gny nitoliky tamin'i Egypta ba hila fagnapia izy ireo. Laha teo dra ho fatasin'ereo fa Izaho gny Topo Yaveh.'''17Tamy tao fahafito amby ropolo tamy andro volohany volana volohany, dra avy taminahy gny zakan'i Yaveh, nanao ho: 18''Ry zanak'olo ,Nebokadnezara gny pazakan'i Babylona dra namoaky gny tafiny ba hanao asa fatrasy manohisy an'i Tyro. Sola avo koa gny loha aby, dra niendaky gny soroky aby. Nefa izy vo gny fatiny dra sy nandray karama laha tamin'i Tyro tamy asa fatrasy zay nataony nameleza anizay.19Noho zay dra izao gny zakany topo Yaveh: 'Ingo! Homeko an'i Nebokadnezara pazakan'i Babylona gny tany, dra alany gny haren'izay ho baboiny gny fanagnany, dra ho alany zay aby hitany ao; zay gny ho karaman'ereo tafiny. 20Fa nomeko anazy ho karama tamy asa ze nataon'ereo ho anahy gny tanin'i Egypta -zay gny fagnambarany Topo Yaveh.21Amin'izay andro zay dra hampisimoky tandroky ho agny ankohan'Israely zaho, dra hapizaka anao eo agnevon'ereo , koa ho fatasin'ereo fa Izaho gny Yaveh.'''
Chapter 30

1Dra avy taminahy gny zakan'i Yaveh, manao ho:2''Ry zanak'olo, maminania dra zakao ho: 'Izao gny zakan'i Topo Yaveh: Midradradradra ho: ''Loza gny andro ho avy.''3Mariny gny andro. Mariny gny andro ho an'i Yaveh. Ho andro mandrahona zay, fotoa fiafarana ho an'ireo Firenena.4Dra hisy zabasy ho avy hanohisy an'i Egypta, dra hisy fangirifiria ao Kosy fa gny miapasy agny Egypta gny vahoaky maty-fa gny mangalaky gny hanagnan'ereo, dra fa gny simba gny fotony. 5Kosy, Lybia, vo i Lydia, dra reo vahiny aby, miaraky amy vahoakiny fanekena -ho lavo-sabasy avo koa izy aby.6Izao gny zakan'i Yaveh: Noh zay reo ze manohana an'i Egypta dra ho lavo, dra gny avognavony heriny dra hietry. Hatragny Migdola dra hatragny Syena gny hahalavo anereo miaramilany amy lefo-zay gny fagnambarany Topo Yaveh. 7Haharikoriko eo agnevony tany nafoy ereo, dra ireo tanany dra ho eo amin'ereo tana rava aby.8Dra ho fatasin'ereo fa Izaho gny Yaveh, raha hagnoro an'i Egypta zaho, dra fa gny lavo reo panapy anazy aby. 9Amin'izay andro zay dra hisy iraky hiboaky laha teo anoloako amy sambo ba hampihorohoro gny fiarovan'i Kosy, dra hisy fangirifiria eo amin'ereo amy andro fiafara rasin'i Egypta. Fa ingo! avy zay.10Izao gny zakan'i Topo Yaveh: Hagnisy fiafara gny fahamaroan'i Egypta amy tanan'i Nebokadnezara, pazakan'i Babylona zaho. 11Izy vo gny tafiny miaraky aminazy, gny fampatahora amin'ireo firenena, gny ho andesy handrava gny tany; hagnapotaky gny sabany hanohisy an'i Egypta dra hameno gny tany amy fatin'olo izy ereo.12Hamaliky gny renirano ho tany maiky zaho, dra hivarosy gny tany eo an-tagnany olo rasy fagnahy. Amy alalany tana gny fahavalo gny hanovako gny tany vo gny fahafenoany ho rava-Izaho m Yaveh, gny fa nizaka.13Izao gny zakan'i Topo Yaveh: Hanorotoro reo sapy zaho, dra hinday fiafara amin'ire sapy sy mendrik'i Memfisa. Sy hisy andriandahy sasy ao amy tany Egypta, dra hametraky fapitahora eo amy tany Egypta zaho. 14dra hataoko lao i Patrosa dra ho oroako i Zoana , dra hapihasy fisara amin'i No Zaho.15Fa handraraky gny fahoriako amin'i Sina, gny fiarova fatrasy agny Egypta, dra hanapaky gny maro agny No zaho. 16Dra hagnoro an'i Egypta zaho; ho ory fatrasy i Sina, ho rava i No, dra hiatriky fahavalo isan'andro i Memfisy.17Gny tovolahy agny Avena vo Pisbeseta dra ho lavo-sabasy , dra reo tanany dra ho lasa-ko babo. 18Agny Tapanesa , dra hihazo gny hazavany gny andro fa gny mamotiky gny ziogan'i Egypta ao zaho, dra ho tapisy gny avognavony heriny. Hisy rahona handrakosy anazy, dra reo zanakapelany dra ho lasa-ko babo. 19Hapihasy fisara ao Egypta zaho, dra ho fatasin'ereo fa Izaho gny Yaveh.'''20Dra tamy tao faharaiky amby folo, tamy volana volohany, tamy andro fahafito gny volana, dra avy taminahy gny zakan'i Yaveh, manao ho: 21''Ry zanak'olo, fa nanapaky gny dandrin'i Farao, pazakan'i Egypta zaho. Ingo! Sy nofognosa zay , na nisitrany tamy famahia , ba hapatazaky soa anizay ba hita-sabasy.22Dra izao gny zakan'i Topo Yaveh: 'Ingo, hanohisy an'i Farao, Pazakan'i Egypta zaho. Fa hanapaky gny sandriny zaho, gny matazaky vo gny tapaky , dra hapilasaky gny sabasy egy an-tagnany. 23Haeliko eo amin'ireo firenena i Egypta dra haparitako eo amy tany izy ireo. 24Hatazahiko reo sandriny pazakan'i Babylona dra hametraky gny lefoko eo amy tagnany zaho ba hahafahako manapaky ireo sandrin'i Farao. Hihay eo anologny pazakan'i Babylona amy fisetogn'olo ho maty izy.25Fa hapatazaky gny sandriny pazakan'i Babylona zaho, raha bo hiraviravy gny tagnan'i Farao.Dra ho fatasin'ereo fa Izaho gny Yaveh, fa gny mametraky gny sabatro eo amy tagnany pazakan'i Babylona zaho; fa hanafiky gny tanin'i Egypta amin'izay iy. 26Dra haeliko eo amin'ereo firenena i Egypta dra haparitako manera gny tany izy ireo . Dra ho fatasin'ereo fa Izaho gny Yaveh.'''
Chapter 31

1Dra tamy tao faharaiky amby folo, tamy volana fahatelo, tamy andro volohany volana, dra avy taminahy gny zakan'i Yaveh, nanao ho: 2'' Ry zanak'olo, zakao amin'i Farao, gny pazakan'i Egypta, dra amy vahokiny aby magnodidy anazy ho: 'Ao amy fahalebezanao, manahaky an'iza ianao?3Ingo! Asyria dra sedera nisy sapy soa tarehy tao Libanona, nagnome alokaloky ho agny ala, dra abo ba tamy halavany, dra gny sapany nagnaniky gny rahona. 4Rano maro gny nahalava anizay; gny rano laliky gny nahagoava anizay. Niroro nagnodidy gny farisy ay nizy anazy gny renirano, satria gny laka-dranony dra nibelasy tamy hazo aby tao an-tanimboly.5Gny hahavony dra nihoasy noho gny hazo hafa aby tagny an-tanimboly, dra sapany dra nazary maro vatany; niha-lava gny sapany noho reo rano maro raha nisiry igny izy reo. 6Nanao gny akaniny teo ay sapany gny voro gny lagnisy aby, raha niteraky gny zanany teo ambaniny raviny gny raha-managnay aby tao an-tanimboly. Nitoesy tao ambaniny alokiny gny firenena maro aby. 7Fa soa tarehy ze tao amy fahalahibeny vo gny halavagny sapany, satria tao amy rano maro gny vahany.8Sy afa-nitaha tamin'izay reo sedera tao amy sahan'Agnahary. Sy nisy tamin'ireo Kypreso gny sahala tamy sapany, dra gny hazo platana sy nitaha tamy rasany. Sy nisy hazo hafa tao amy sahan'Agnahary ze nitovy tamin'izay tamy hasoany. 9Nataoko soa tarehy tamy sapany maro zay dra gny hazon'i Edena aby zay tao amy sahan'Agnahary dra nialona anizay.10NOho zay dra izao gny zakan'i Topo Yaveh: Satria lava tamy haabony izy, dra teo agnelagnelany sapany gny napetrany gny tendrony, nanandrasy gny fony zay noho gny haabiny. 11Nomeko teo an-tagnanigny ray maherin'ireo firenena izy, ba hifapiraharaha amin'izay araky ze mendriky gny faharasiany. Fa nariako tagny ambaliky izy.12Reo vahiny ze horohorony firenena aby gny nanapaky anazy dra nagnenga anazy ho maty . Nilavo teo an-tenndrombohisy vo ireo lohasaha aby gny sapany , dra ireo rasany dra mitoesy torotoro ao amy riaky gny tany aby. Dra niboaky laha tao ambaniny alokiny gny firenena aby teto an-tany dra niala lavisy zay.13Gny vorogny lagnisy aby dra nizano teo amy vatagny hazo nilavo , dra gny biby aby tao an-tanimboly dra nagneo amy sapany. 14Nisy zay ba sy hisy hazo hafa hisiry mariny gny rano eo dra hananga gny raviny hatregny amy haabony hazo abo indrandra, dra ba sy hisy hazo hafa hisiry mariny gny rano eo dra hahatrasy anizay haabo zay. Fa voatendry ho amy fahafatesa avo koa izy aby, ho agny ambany tany , eo amin'ireo zanak'olombelo, miaraky amin'ireo ze mizoso agny an-davaky.15Izao gny zakan'i Topo Yaveh: Tamy andro ze nizosoan'i Sedera tagny amy fiaigna-sy hita dra ninday fandala teto an-tany zaho. Nasaoroko teo agn'abonin'izay gny rano laliky, dra nahemosiko gny rano gny ranomasim-be. Nisakanako gny rano be, dra ninday fandalana teo amin'i Libanona ho anazy zaho. Dra nandala gny hazo gny saha aby noho zay.16Ninday nihesikesiky teo amin'ireo firenena tamy feogny nilavoany zaho, fa gny natorako tagny amy fiaigna-sy hita niaraky tamin'ireo ze nizoso tagny an-davaky izy. Dra nampiono gny hazon'i Edena aby tagny amy fagnambaranigny tany zaho. Reo gny hazo voafaty vo soa be an'i Libanona; dra ireo ze nino gny rano.17Fa nizoso tagny amy fiaigna-sy hita niaraky tamin'izay avo koa reo, ho agny amin'ireo ze maty gny lefo. Regny gny sandriny mahery , ireo firenena ze nitoesy teo amy alokalony. 18Iza tamin'ireo hazo tao Edena gny sahala aminao amy voninahisy gny fahalebeza? Fa halavo miaraky amin'ireo hazon'i Edena ho agny amy fagnambarany tagny eo amin'ireo sy voafora ianao; Hiay manahaky ireo ze matiny lefo ianao. 'Farao vo gny vahoakiny aby-zay gny fagnambarany Topo Yaveh.''
Chapter 32

1Tamy volana faharo amby folo gny tao faharo amby folo tamy volohany gny volana, dra avy taminahy gny zakan'i Yaveh, nanao ho:2''Ry zanak'olo, manandrata fandalana mahakasiky an'i Farao gny pazakan'i Rgypta; zakao anazy ho:''Manahaky gny liona tanora eo amin'ireo firenena ianao, saiky manahaky gny biby masiaky ao an-dranomasy ; mizoboky ao agnaty rano ianao, dra manakobakobana gny rano amy tombony dra mandoto gny ranon'ereo.3Izao gny zakan'i Topo Yaveh: Dra handasaky gny haratoko ao aminao eo amin'ireo fivondrognany vahoaky maro zaho, dra hampiakasy anao amy haratoko izy reo. 4Hagnenga anao ao amy tany zaho . Hatorako agny an-tanimboly ianao dra hahoriko eo aminao ireo voro gny lagnisy aby; ho voky miatiaty aminao gny haresin'ireo biby velo amy tany aby.5Fa hametraky gny nofonao eo an-tendrombohisy zaho, dra ho fenoko gny fahalovany fatinao ireo lohasaha. 6Dra handraraky gny liona manerana gny tendrombohisy zaho, dra ho feno gny lionao gny fandrian-drano.7Dra gny fa hamono anao zaho, dra handrakoky gny lagnisy vo hagnamesy gny vasian'ereo; ho takonako rahona gny masoandro, dra sy hamirapirasy amy hazavany gny vola. 8Hagnamezy gny famirapirata ze amy lagnisy eo amindrareo zaho, dra handrakoky ezy eo amy tanindrareo -zay gny fagnambaran'i Topo Yaveh.9Dra hampagnelakelaky gny fo gny vahoaky maro ao amy tany ze st fatanao zaho, fa gny bo handay fahalavoa ho anao eo amin'ireo firenena, eo amin'ireo tany ze sy bo fatanao zaho. 10Hanafitohy vahoaky maro mahakasiky anao zaho; hangitikitiky gny mahakasiky anao reo pazakan'ereo fa gny mampisizaky gny lefoko eo aloan'ereo zaho. Hangitikitiky noho ianao amy fotoa aby gny kirairaiky, amy andro faharanao.11Fa izao gny zakan'i Topo Yaveh: Ho avy hanohisy anao gny sabatry gny pazakan'i Babylona. 12Hataoko matiny gny sabasin'ireo pialy reo vahoaky maronao-pialy samy horohoron'ereo firenena. Reo pialy reo dra handrava gny avognavon'i Egypta vo hamono ireo vahoaky maro.13Fa hamono gny biby fiteza aby laha teo amy rano be dra be zaho; Sy hagnakobakoba gny rano sasy gny tombony gny olo, na handika ireo gny kitrogny biby teza. 14Laha teo dra hapitony reo ranony vo hampiroro ireo oniny manahaky gny menaky zaho-zay gny fagnambarany Topo Yaveh.15Fa gny manao gny tany Egypta ho tana haolo zaho, fa gny sakana amy fahafenoany aby gny tany, fa gny manafiky gny pony aby ao aminazy zaho, dra ho fatasin'ereo fa Izaho gny Yaveh. 16Hisy fandala; handala manera anazy ireo gny zanakapewlany firenena; handala manerana an'i Egypta izy ireo, eo amin'ireo vahoaky maro aby gny handalan'ereo -zay gny fagnambarany Topo Yaveh.'';17Tamy tao faharo amby folo tamy andro fahadimy amby folo gny volana, dra avy taminahy gny zakan'i Yaveh, nanao ho:18''Ry zanak'olo mitomagnia ho an'ireo vahoaky moeon'i Egypta dra ampiboaho izy re-izy vo reo zanakapelan'ireo firenena lahibe-ho agny amy tany iva indrindra miaraky amin'ireo ze nilisy ao an-davaky.19' Tena soa noho gny olo-kafa vatany se ianao? Miboaha dra miapara miaraky amin'ireo sy voatapaky.'20Ho lavo eo amin'ereo ze matiny lefo izy ireo. Fa vita sorisy gny lefo! fa nome gny lefo izy; hanambosy anazy vo ireo vahoakiny maro izy reo. 21Hagnambara momban'i Egypta vo reo piara-dia aminazy reo pialy mahery indrindra ho: 'Fa niboaky teto izy reo! Hiapasy miaraky amin'ireo sy voatapaky , miaraky amin'ereo ze maty gny lefo izy reo.'22Asyria vo ireo fiangonany aby dra ao. Magnodidy anazy gny lolony; izy aby dra aty tami-lefony. 23Reo ze mana lolo miory eo amy fanga-sioky gny lavaky dra ao, miaraky amin'ireo fiangonany aby. Reo lolony dra magnodidy an'ereo ze maty, zay lavo gny lefo, ireo ze ninday horohoro teo amy taninigny velo.24Ao Elama miaraky amin'ireo vahoakiny maro aby. Magnodidy anazy gny lolony; maty avo koa izy aby. REo ze lavogny lefo, zay tafilisy sy voatapaky agny amy fagnambarany tany, zay ninday gny fapatahoran'ereo teo amy tanigny velo vo minday gny fahafaham-barakany manoka, miaraky amin'ereo miboaky ao an-davaky. 25Nametraky kitapo fandria ho agn'i Elama vo reo vahoakiny maro aby eo agnevony faty izy reo; magnodidy anazy gny lolony. Izy aby dra sy voatapaky, voalefogny lefo, satria ninday gny tahosin'ereo teo amy taninigny velo izy reo. Dra minday gny fahafaham-barakany izy ireo, miaraky amin'ireo miboaky ao an-davaky eo amin'ereo ze fa maty, reo ze miboaky ao an-davaky. Elama dra isan'ereo aby ze maty.26Meseka, Tobala, vo reo vahoakiny maro aby dra tao! Magnodidy anazy reo gny lolony. Izy aby dra samy sy voatapakyu avo koa, matigny lefo, satria ninday gny fampatahorany teo amy tany gny velo izy reo. 27Sy miara-miapasy eo amin'ireo pialy sy voatapaky lavo ze niboaky tagny amy Fiaigna-sy hita miaraky amin'ireo fitovam-pialiany, dra miaraky amin'ireo sabany apetraky ao ambany gny lohan'ereo vo ireo helony eo amy tolan'ereo. Fa izy reo gn mapatahosy gny pialy tao amy tany gny velo.28Dra noho zay ianao, ry Egypta, dra ho torotoro eo agnevon'ereo sy voatapaky! Hiapasy magnaraky reo ze voalefo gny lefo ianao. 29Ao i Edoma vo ireo pazakiny dra ireo pitariny. Fa voapetraky ao amy tazany miaraky amin'ereo maty gny lefo izy reo. Miara-miapasy amin'ireo sy voatapaky izy reo, miaraky amin'ereo ze niboaky tagny an-davaky.30Reo andriandahy gny avarasy dra ao__ izy aby miaraky amin'ereo Sidoniana aby izay nizoso niaraky tamin'ereo zay fa voalefona. Nahery vo nampitahosy gny hafa izy reo, fa ao agnaty henasy izy reo amizao, sy voatapaky miaraky amin'ereo ze voalefony lefo. Minday gny fahafaham-barakany izy reo, miaraky amin'ireo ze niboaky tagny an-davaky.31Hagnety Farao dra ho ampaherezy gny amin'ireo vahoakiny maro aby zay voalefo gny lefo-Farao vo reo tafiny aby-zay gny fagnambara gny topo Yaveh. 32Napetrako ho mapatahosy eo amy tany gny velo izy, kanefa hiapasy eo agnevon'ereo sy voatapaky izy, eo amin'ireo voalefo gny lefo. i Farao vo ireo vahoakiny aby-zay gny fagnambarany Topo Yaveh.''
Chapter 33

1Dra avy taminahy gny zakan'i Yaveh nanao ho:2'' Ry zanak'olo , ambarao amy vahoakinao izao; zakao amin'ereo ho:'Fa gny minday lefo hanohisy gny tany aby zaho, dra hangalaky olo raiky amin'ireo gny ponin'izay tany zay dra hanao anazy ho pitily ho anazy ireo. 3Magnety gny lefiny fa tamy eo amy tany izy, dra misioky gny azomarany ba hampitandry gny vahoaky! 4Raha mahare gny feo azomara gny olo nefa sy mitandry , dra raha avy dra mamono anazy ireo gny lefo , dra ho eo an-dohany kirairaiky avo koa gny loiny.5Raha misy olo mahare gny feo azomara dra sy mitandry , dra ho eo aminazy gny liony; fa gny mitandrina izy, dra hahavozy gny ainy. 6Na izay aza, gny hitan'ny pitily fa tamy gny sabatra, nefa gny sy misoka gny azomara izy, dra gny vokany dra sy nampitandrema gny olo, dra gny avy gny sabatra dra mangalaky ain'olo, dra matin'ny fahotany avo izay olo zay, fa hadigniko amigny pitily gny liony.'7Dra hanao, ry zanak'olo! fa nataoko pitily ho an'ny ankohonan'Israely hanao; handre reo zaka avy amigny vavako hanao dra hampitandry anazy reo amigny agnarako. 8Gny mizaka amigny rasy fagnahy zaho ho:' Ry rasy fagnahy, ho maty tokoa hanao!' nefa gny sy mizaka izay na mampitandry gny rasy fagnahy gny amigny fanaony hanao, dra ho fatin'ny fahotany izy izay rasy fagnahy, nefa ho takiko amigny tagnanao gny liony! 9Nefa hanao, gny mampitandry gny rasy fagnahy gny amigny fanaony, ba hialany amin'izay, dra gny sy miala amigny fanaony izy, dra ho fatin'ny fahotany izy, fa hanao hahavozy gny ainao.10Dra hanao. ry zanak'olo, zakao amigny ankohonan'Israely ho:' Izao gny zakandrareo:'Gny helokay vo gny fahotanay dra eo aminay, dra solan'ireo izahay! ino gny hahavelon'anay?''' 11Zakao amin'izy reo ho:' gny velo koa zaho__izay gny fagnambaran'ny tompo Yaveh__dra sy mankasitraky gny fahafatesan'ny rasy fagnahy zaho, fa gny mibebaky amigny fanaony gny rasy fagnahy, dra ho velo izy! Mibebaha! Mibebaha amigny fomba rasindrareo! fa ino gny tokony ho maty handrareo, ry ankohonan'Israely?'12Dra amizao ianao, ry zanak'olo, zakao amy vahoakinao ho:'Gny fahamarinan'olo-mary dra sy hagnavosy anazy raha manota izy ! Gny faharasigny rasy fagnahy sy hamono anazy raha mibebaky amy fahotany izy ! Fa sy afa-hiay noho gny fahamarignany gny olo-mary raha manota izy. 13Raha mizaka amy mary zaho ho: '''Ho velo vatany izy !''dra raha matoky amy fahamarinany izy dra manao gny sy rariny, dra sy hahasiaro ze fahamarignany zaho. Ho sy hahasiaro ze fahamarinany zaho. Ho maty faharasia nataony izy.14Dra raha mizaka amy rasy fagnahy zaho ho:''Ho maty vatany ianao,''nefa raha mibebaky hiala amin'ireo fahotany vo manao ze mary vo mahisy izy-15raha magnery gny atoky gny findramam-bola zay nangatahiny tamim-paharasia izy, na raha magnery ze nangalariny izy, dra raha mandeha amin'ireo lala zay minday fiaigna dra sy manota sasy-dra ho velo vatany izy. Sy ho maty izy. 16Sy misy ho saroany ireo fahota ze nataony. Fa nanao gny mary vo mahisy izy, dra noho zay,dra ho velo vatany izy!17Nefa hoy gny vahoakinao:'Sy rariny gny fitondra gny topo!'' Kanefa gny fombandrareo gny sy rariny! 18Raha miala amy fahamarignany dra manota gny olo-mary, dra ho matin'izay izy! 19Raha miala amy faharasiany gny rasy fagnahy dra manao ze mahisy vo mary , dra ho velo noho reo raha izy! 20Nefa iandrareo vahoaky manao ho:''Sy rariny gny fitondra gny Topo!''Hisara gny kirairaiky amindrareo araky gny lalany aby zaho, ry taranak'Israely!'''21Dra tamy tao faharo amby folo,tamy andro fahadimy gny vola fahafologny fahababoasika, gny nisy pisoa-ponena avy teo aminahy laha tgny Jerosalema dra nanao ho: ''Tia gny tana! ''22Teo aminahy gny hariva nialoha gny nahaviagny piala-ponena gny tanan'i Yaveh fotoa ze nahaviany teo aminahy tamy mangiran-drasy. Dra nisioky gny havoako; sy moana sasy zaho!23Dra avy taminahy gny zakan'i Yaveh, nanao ho:24''Ry zanak'olo, ze mony amin'ereo rava ao amy tanin'Israely dra miresaky dra manao ho: 'Olo raiky avi Abrahama, dra nandova gny tany izy, nefa maro isika! Nome asika ba ho fanagna gny tany.'25Noho zay zakao amin'ereo ho:'Izao gny zakan'i Topo Yaveh: Mihina-lio anadrareo, dra mapiandra gny masondrareo agny amin'ireo sapindrareo, laha teo dra nandraraky lion'olo andrareo. Tokony hana gny tany vatany se iandrareo? 26Fa niaky tamin'ireo sabatrandreo andrareo dra fa nanao raha mampagnelakelaky ; gny lelahy kirairaiky dra mandoto gny valiny piara-mony aminazy. TOkony hahazo gny tany vatany se andrareo?'27Izao gny ho zakanao amin'ereo: 'Izao gny zakan'i Tompo Yaveh: Raha velo koa Zaho, dra lavon-defo marina vatany ireo olo ao amin'ireo rava, dra reo ze agny an-tanimboly dra homeko ho an'ereo raha-managn'ay ho sakafo, dra reo ze ao amy fiarova fatrasy vo agny an-dava-bato dra ho matygny areti-mandringa. 28Dra havaliko ho lao vo tahosy gny tany, dra hiafara gny avignavo gny herin'izay, fa ho lahibe reo tendrombohin'Israely, dra sy hisy na iza na iza hagnenga eo amin'ireo.'29Dra ho matin'ereo fa Izaho gny Yaveh, fa gny manao gny tany ho lao vo tahosy noho gny fahavetaveta aby nataon'ereo zaho.30Dra amizao ianao, ry zanak'olo-gny vahoakinao dra mizaka raha momba anao eo mariny gny fefy vo reo vavahady gny tragno, dra gny kirairaiky mifapizaka -gny kirairaiky amy rahalahiny ho:'Handeha isika dra hiteno gny zakany paminany ze laha tamin'i Yaveh! 31Dra ho avy eo aminao gny vahoakiko, manahaky ze fataony matetiky, dra hipetraky eo anatrehanao dra hiteno anireo zakanao, nefa sy hakoto anio izy reo. Reo zaka mary gny eo am-bavan'ereo, nefa gny fony dra magnaraky tombony sy ara-drariny.32Fa manahaky gny hatsa ho anazy reo ianao, feo mahafinarisy zay notendre soa tamy lokanga, dra hiteno reo zakanao izy reo, nrfa sy hisy amin'ereo ho tia anizay. 33Dra gny misanga aby zay - ingo! hisanga zay! - dra ho satan'ereo fa nisy paminany teo aminazy.'''
Chapter 34

1Laha taminahy gny zakan'i Yaveh, manao ho:2''Ry zanak'olo, maminania manohisy ireo mpiamby agn'ondrin'Israely. Maminania dra zakao izy ireo ho: 'Izao gny zakan'i Topo Yaveh amin'ereo piamby agn'ondry: Loza ho an'ereo mpiamby agn'ondrin'Israely ze miamby gny vatan'ereo avo. Moa se sy tokony hiamby gny agn'ondry vo osy gny mpiamby agn'ondry? 3Mihinana gny ampaha gny vondraky ianao dra misikina volon' agn'ondry. Mamono gny vondraky amy agn'ondry inao . Sy miamby agn'ondry koa ianao.4Sy nagnamafy ireo ze mana arety ianao, na nagnasitra an'ereo ze marary. Sy manambasy ireo ze tapaky ianao, dra sy magnery ze voaroaky na mitalia gny levo. Fa dra, manapaky eo amin'ereo amy alalany hery vo herisatra ianao. 5Laha teo dra niparitaky sy nisy miamby izy reo, dra lasa sakafo ho agny bibidia egny an-tanimboly, tafarany nanaparitaha anazy reo. 6Nirerirery tegny amy tendrombohisy aby vo gny havoana aby gny agn'ondriko, dra voaely nanera gny tany zay. Nefa sy bo misy olo mitalia anereo.7Noho zay, ry mpiamby agn'ondry , tenoy gny zakan'i Yaveh:8Raha bo velo koa zaho-zay gny fagnambaran'i Topo Yaveh-satria lasa tia vo sakafo ho agny bibidia aby egny an-tanimboly gny agn'ondriko, satria sy nisy mpiamby agn'ondry dra sy nisy tamin'ereo mpiamby agn'ondriko nitalia gny agn'ondriko, fa niamby gny vatany avo reo mpiamby agn'ondry fa sy niamby gny6 agn'ondriko.9Noho zay, ry mpiamby agn'ondry, tenoy gny zakan'i Yaveh: 10Topo Yaveh mizaka anizao: Ingo! manohisy ireo mpiamby agn'ondry zaho, dra hitaky gny agn'ondriko eo an-tagnan'ereo zaho. Laha teo dra ho roahiko amy fiandrasa gny agn'ondry izy ireo; na gny mpiamby agn'ondry avo sy hiamby gny vatan'ereo sasy satria hangalaky ireo agn'ondroko sy ho eo amy vavan'ereo zaho, ba sy ho sakafon'ereo sasy gny agn'ondriko.11Fa gny Topo Yaveh mizaka anizao: Ingo ! Hitalia gny agn'ondriko zaho dra hikarakara ireo, 12manahaky gny mpiamby agn'ondry mitalia gny agn'ondriny amy andro fa gny eo agnevony agn'ondriny mibarakay izy. Noho zay dra hitalia gny agn'ondriko zaho, dra hamozy anazy ireo amy toera iaby ze nagnapariaha anazy ireo amy andro gny rahona vo gny fahamezigna. 13Laha teo andesiko miboaky laha teo amin'ereo vahoaky izy ireo; hahoriko agny amy tany ireo dra ho andesiko agny amy tanin'ereo . Hametraky anazy ireo egny amy tanin'ahisin'ereo moron-tendrombohisin'Israely, amy renirano, dra agny amy fonena aby ao amy tany Zaho.14Hametraky agny amy ahisy soa Zaho; gny tendrombohisy abon'Israely gny ho fitoeram-bilony. Handry eo amin'ireo toera soa firofam-bilo ireo, agny amy tany feno ahisy, dra hiraoky egny amy tendrombohisin'Israely izy ireo. 15Izaho mahisy gny hiamby gny agn'ondriko, dra izaho mahisy gny hampandry anazy reo-zay gny fagnambrany Topo Yaveh-16Hitalia gny levo zaho dra hametraky ze noroahiny. Hamehy reo agn'ondry tapaky Zaho dra hagnasitrany gny agn'ondry marary fa gny vondraky vo gny fatrasy dra ho vonoko. Hiamby agn'ondry ara-drariny Zaho17Amizao ianao, ry agn'ondriko- izao gny zakany Topo Yaveh-ingo,ho pisara eo amy agn'ondry vo osy zaho dra eo amin'ireo agn'ondry lahy vo osy lahy. 18Moa se sy ampy hohany gny ahisy soa, gny sy maisy hisakisahinao amy tombonao gny sisa tavela amy ahisy; dra ho nomy gny rano malio, gny sy maisy lotonao ho fotaky amy tombonao gny renirano? 19Moa se gny agn'ondriko sy maisy mihina ze nisakisahinao tamy tombonao, dra mino ze nolotonao ho fotaky tamy tombonao?20Noho zay gny Topo Yaveh dra mizaka anizao amin'ereo: Ingo Izaho mahisy gny hisara eo amin'ireo agn'ondry vondraky vo ireo mahis, 21satria iandrareo fa nandrozindrozy anazy ireo tamy hahoriandrareo vo sorokindrareo, dra fa notrongisindrareo tamy tandrokindrareo malemy nandra-panaparitakindreo anazy reo niboaky gny tany.22Hamozy gny agn'ondriko Zaho dra sy ho tia sasy , dra hisara eo amy agn'ondry raiky bo raiky hafa Zaho! 23Hametraky piaraky agn'ondry raiky eo amin'ereo zaho, dra Davida panompoko. Hiamby anazy reo izy, hagnome hany anazy reo, dra ho piamby izy ireo. 24Fa Izaho, Yaveh, ho Zagnaharin'ereo, dra Davida mpanopoko dra ho andriana eo amin'ereo- Izaho, Yaveh, gny fa nagnambara anizay.25Dra hanao fanekem-pihavana amin'ireo Zaho dra hangalaky ireo bibidia masy laha taminy tany, ba hahafahan'ereo miay am-pilamina agny amy tany efisy dra handry soa aman-tsara agny amin'ireo ala. 26Izaho dra hinday fitahia amin'ireo vo amin'ireo toera magnodidy gny havoanako, satria handefa ora amy andro voatondro Zaho. Ho ora gny fitahia zay. 27Dra hamokasy reo tegnany gny hazo gny saha , dra gny tany dra hagnome alala gny vokany. Ho voaaro ao amy tanin'ereo gny agn'ondriko; dra ho fatasin'ereo fa Izaho gny Yaveh, fa gny manapaky ireo hiliny ziongan'ireo zaho, vo gny magnavosy anazy reo aby amy tanan'ereo ze nagnandevo anazy ireo.28Sy ho tia an'ereo firenena sasy izy ireo, dra sy handrapaky anazy ireo sasy ireo bibidia agn'abony tany. Fa hiay am-pilamina izy ireo, dra sy hisy na iza na iza hampatahosy anazy reo. 29Fa hamboasy toera fambolea milamy ho anazy ireo zaho ba sy ho matiny mosary sasy izy reo ao amy tany, dra ireo firenena sy hinday fagnarasia amin'ereo.30Dra ho fatan'ereo fa Izaho , Yaveh Zagnaharin'ereo, dra miaraky amin'ereo. Izy reo gny oloko, gny ankohanan'Israely-zay gny fagnambarany Topo Yaveh. 31Fa iandrareo gny agn'ondriko, vo osiko dra oloko, Izaho gny Zagnaharindreo-zay gny fagnambarany Topo Yaveh.'''
Chapter 35

1Dra avy taminahy gny zakan'i Yaveh, manao ho:2''Ry zanak'olo, ampanatreho gny Tendrombohisy Seïra gny tarehinao dra maminania manohisy anizay. 3Zakao amin'izay ho: 'Izao gny zakan'i Topo Yaveh: Ingo!Manohisy anao zaho, ry Tendrombohisy Seira, dra hamely anao amy tagnako zaho dra hanao anao ho lao vo horohoro.4Ho ataoko rava ireo tanandrareo, dra iandrareo dra ho lasa faharava; laha teo dra ho fatasindrareo fa Izaho gny Yaveh. 5Satria fahavalo teo amy vahoakin'Israely mandrakariva iandrareo, dra nandefa anazy reo teo an-tagnany lefo iandrareo tamy fotoany fahorian'ereo, tamy fotoany fahorian'ereo, tamy fotoa naha-lahibe gny sazin'ereo. 6Noho zay, raha bo velo koa zaho-zay gny fagnambarany Topo Yaveh-dra hagnoma andrareo ho amy fandasahan-dra zaho, dra hagneziky andrareo gny fandasahan-dra! Satria sy nankahalandrareo gny fandasahan-dra, dra hagneziky andrareo gny fandasahan-dra.7HO ataoko faharava tateraky gny Tendrombohisy Seira fa gny hangalaky laha tamin'izay aby miriosy eo vo mihery eo amin'izay zaho. 8Dra ho fenoko amy lohan'ereo gny tendrombohisin'izay. REo havoana avondrareo vo ireo lohasaha dra ireo loharanondrareo aby-ireo ze matiny lefo dra holavo ao amin'ereo . 9Ho ataoko faharava mandrakizay iandrareo. Sy hisy pony ireo tanandrareo, fa ho fatandrareo fa Izaho gny Yaveh.10Ianao fa nizaka ho: ''Reo firenena ro reo vo ireo tany ro ireo dra ho anahy, dra hana anazy reo ho fanagna isika, ''na dra niaraky tamin'ereo avo i Yaveh. 11Noho zay, raha bo velo koa zaho-zay gny fagnambarany Topo Yaveh-dra hanao araky gny hahorianao vo araky gny fialogna ze nanagnanao tamy fankahalanao an'Israely zaho, dra haneho gny vatako amin'ereo zaho fa gny misara anao.12Dra ho fatasy drareo fa zaho gny Yaveh. Fa nahare ereo mpagnahy ze nizakan'ereo tamin'ereo tendrombohisin'Israely zaho, raha; fa name teo aminay ba ho harampaky ereo.'' 13Fa manandrasy gny vatandrareo taminahy tamizay nizakandrareo, dra nampitombo ereo zaka nanoherandrareo anahy; dra reko zay aby.14 Zahoky gny zakany tompo Yaveh: Ha taoko rava handrareo, raha bo mifaly gny tagny manitolo. 15Raha bo mifaly eo amy lovan'ny olon'Israely nohony faharavan'ny drareo, dra ho ataoko amidrareo koa zay. Hoavy gny faharavany nao, dra tendrombohisy Seira, dra Edoma aby-ze! Dra ho fatasireo fa zaho gny Yaveh.''''
Chapter 36

1Amizao hanao, dra zanak'olo, maminany amin'ereo tendrombohisin'Israely, tenoy gny zakan'i Yaveh. 2Zahoky gny zakany tompo Yaveh: Fa nizaka momba andrareo gny fahavalo ho: ''Hia!'' dra ''Lasa fanagnanay ereo toera agnabo fahagola."' 3Noho izay maminania dra zakao ho: 'Izao gny zakanigny Topo Yaveh: Nohonigny faharavandrareo vo nohonigny fanafiha ze avy teo amindrareo boak'agny amigny lafiny aby, dra fa lasa fanagnan'ireo firene-kafa handrareo; fa lasa foko-kevisy gny moloso vo gny lela pagnendrikendriky handrareo, dra tataranigny olo.4Noho izay, ry tendrombohis'Israely, tenoy gny zakanigny Topo Yaveh: Izao gny zakanigny Topo Yaveh amireo tendrombohisy vo reo havoa abo, amireo lohandrian-driaky vo reo lohasaka, amireo poninigny faharava vo gny tana haolo ze fa lasa babo vo foto-kevisy gny fanirasira ho an'ireo firene-kafa ze magnodidin'anereo__5noho izay gny Topo Yaveh dra mizaka amizao: Fa nizaka tao amigny afo-pahasiahako manohisy reo firene-kafa vatany Zaho, manohisy an'i Edoma vo reo aby ze nangalaky gny taniko ho anigny vatany ho fanagna, manohisy ze samby nifaly aby tao apony vo nanao sinosino tao amigny fagnahin'ereo, araky gny nangalan'ereo gny taniko ze mety hitalilian'ereo gny tanin'ahiny ho anigny vatan'ereo.' 6Noho izay, maminania amigny tanin'Israely dra zakao amireo tendrombohisy vo reo havoanao abo, amigny lohasakan-driaky vo reo lohasa ho: 'izao gny zakanigny Topo Yaveh: Ingo! Agnatinigny fahoriako vo gny fahasiahako gny italiliako anizay akory indesa gny finirasiranigny firenena handrareo.7Noho izay, izao gny zakanigny Topo Yaveh: Izaho mihisy gny hanandrasy gny tagnako hiania fa reo firenena ze magnididin'andrareo dra hinday gny fahafam-barakany manoka vatany.8Fa handrareo, ry tendrombohis'Israely, Hitombo sapa vo hamokasy ho an'Israely vahoako handrareo, akory hihery amindrareo sy ho ela ereo. 9Fa ingo, momba andrareo zaho, dra minday andrareo amizao; hasany vo ho fafaza amigny voa handrareo.10Ko hapitombo tendrombohis'olo eo amindrareo zaho ao amigny akohonan'Israely aby, izy aby zay. Hisy ponina reo tana vo hareny ndraiky rava. 11Hapitombo gny olo vo gny bibimola eo amindrareo zaho ry tendrombohisy ba hitombo vo hahavokasy ereo. Dra hahaavy andrareo hisy ponina manahaky andrareo taloha zaho, dra hambiniko mihoasy noho reo vitandrareo taloha handrareo, hahafatarandrareo fa Izaho gny Yaveh. 12Hinday olo zaho, ry Israely vahoako, ba handeha eo amindrareo. Ho fanagnan'ereo handrareo, dra ho lovany, dra sy hahaavy gny zanak'ereo ho maty sasy handrareo.13Izao gny zakanigny Topo Yaveh: Akory ereo mizaka amindrareo ho: "Mandevogna olo hanao, dra fa maty gny zanaky gny firenenao," 14noho izay dra sy handevo gny firenenandrareo handala gny fahafatesan'ereo sasy. Izay gny fagnambaranigny Topo Yaveh. 15Na koa hagnenga andrareo hahare gny fanirasiranigny firenena sasy Zaho; sy hinday gny hegnasy gny olo sasy handrareo na hahaavy gny firenendrareo ho lavo__izay gny fagnambaranigny Topo Yaveh."'16Vo ho avy taminahy gny zakan'i Yaveh, manao anizahoky ho: 17"Ry zanak'olo, gny fa nonina tamigny taniny gny akohonan'Israely, dra nandoto anizay tamireo fombany vo reo asany. Gny fomban'ereo dra manahaky gny fahalotoanigny fadimbolanigny apela eo anoloako. 18Ko nararako teo amin'ereo gny fahoriako nohonigny lio ze nalasak'ereo teo amigny tany vo nohonigny fandotoan'ereo anizay tamigny alalan'ireo sampany.19Naeliko teo amireo firenena ereo; naparitaky nanera reo tany ereo. Nizakako araky reo fombany vo reo asany ereo. 20Boak'eo ereo nagnagny amireo firenena, bre na teza na teza nandehanan'ereo, dra nanirasira gny agnarako masy ereo gny fa nizaka gny amin'ereo gny vahoako ho: 'Ireo vatany ra gny vahoakin'i Yaveh? Fa nanda gny zakany ereo.' 21Fa nana fangoraha-po ho anigny agnarako masy ze fa nilotonigny akohonan'ISraely teo amigny firenena zaho, raha nandeha tagny ereo.22Ko zakao amigny akohonan'Israely ho: 'Izao gny zakanigny Topo Yaveh: Sy manao anizay nohonigny amindrareo zaho, ry akohonan'Israely, fa nohonigny agnarako masy, ze fa nilotondrareo teo amireo firenena aby ze fa nandehanandrareo. 23Fa hanao gny agnarako lahibe ho masy zaho, ze fa nilotondrareo teo amireo firenena__teo agnevon'ireo firenena, gny nanirasirandrareo zay. Dra ho fatasy gny firenena fa Izaho gny Yaveh__izay gny talilinigny Topo Yaveh__gny fa hitandrareo fa masy Zaho.24Halako boak'eo amireo firenena handrareo dra havoriko boak'agny amigny tany aby, dra handesiko agny amigny tanindrareo handrareo. 25Boak'eo ho fafazako rano malio eo amindrareo ba ho voalio amireo fahalotoandrareo aby handrareo, dra ho lioviko amigny sapindrareo aby handrareo.26Hameko fo vo fagnahy vaovao handrareo ao agnatindrareo ao, dra halako amigny nofondrareo gny fo vato. Fa hameko fo nofo handrareo. 27Hametraky gny fagnahiko ao amindrareo Zaho dra hahaavy andrareo hagnaraky gny lalako vo hitandry gny didiko, dra hataondrareo reo. 28Dra honina ao amigny tany ze nameko gny razambendrareo handrareo; ho vahoako handrareo, dra Izaho ho Zagnaharindrareo.29Fa havotako boak'amigny fahalotoandrareo aby handrareo. Hitoka gny vary vo hapitombo anizay zaho. Sy hasiako mosary sasy eo amindrareo. 30Hapitomboko gny tegnanigny hazo vo gny vokasinigny mosary eo amigny firenena sasy handrareo. 31Dra hahasiaro gny fomba rasindrareo vo gny asa rasindrareo ze sy soa handrareo, dra haneho rikoriko eo amigny tarehindrareo noho reo fahotandrareo vo reo asa mapangelakelaky avo handrareo.32Sy manao anizay nohonigny amindrareo zaho__izay gny talilinigny Topo Yaveh__aoky ho fatandrareo zay. Noho izay aoky ho megnasy vo ho afa-baraka nohonigny fombandrareo handrareo, ry akohonan'Israely. 33Izao gny zakanigny Topo Yaveh: Amigny andro ze handiovako andrareo amigny helondrareo aby, dra hataoko monina ao amireo tana handrareo dra hamboasy ndraiky reo toera rava. 34Fa hasiandrareo ndraiky gny tany rava mandra-pahavy anizay ho sy faharava eo amason'ireo aby ze mandalo sasy.35Dra nizaka ereo ho: "Rava ty tana tihoky, fe seky lasa manahaky gny sakan'i Edena izy; reo tana rava vo reo rava sy misy ponina ze nisolany dra voaaro fatrasy sady nonegna amizao." 36Boak'eo reo firenena hafa magnodidin'anao dra hahafatasy fa Izaho gny Yaveh, fa Izaho gny nananga gny rava vo napamokasy ndraiky reo toera maiky. Iazho gny Yaveh. Fa zinakako zay dra hataoko.37Izao gny zakanigny Topo Yaveh: ho Angatahan'ireo akohonan'Israely ndraiky zaho ho ba hanao anizay ho anereo, ba hapitombo anereo manahaky gny andian'olo. 38Manahaky gny agnondry voatoka ho anigny soro, manahaky gny agnondry agny Jerosalema amigny fanasany voatondro, dra ho feno andian'olo reo tana rava dra ho fatas'ereo fa Izaho gny Yaveh."'
Chapter 37

1Teo aminahy gny tagnan'i Yaveh, dra ninday anahy hiboaky tamigny alalanigny Fagnahin'i Yaveh Izy dra nametraky anahy teo agnevonigny lohasaka; feno tola zay. 2Dra nasany nihodidy teo amizay zaho. Ingo! Maro an'isa tamin'ereo gny zaka amigny lohasaka. Ingo! Maiky be vatany ereo. 3Hoy Izy taminahy ho: "Ry Zanak'olo, afaky miay ndraiky ra ty tola tahoky?" Dra hoy zaho ho: "Ry Topo Yaveh, Hanao raiky avo gny mahay."4Dra nizaka taminahy izy ho: "Maminania amireo tola reo vo zakao amin'ereo ho: 'Ry tola-maiky. Tenoy gny zakan'i Yaveh. 5Izao gny zakanigny Topo Yaveh amireo tola reo: Indro! hametraky fofon'ay aminao zaho, dra ho velo hanao. 6Hametraky hozasy manerana anao zaho dra hinday nofo eo aminao. Handrakosy anao amigny holisy zaho dra hagnisy fofonay ao agnatinao ba hiay hanao. Dra ho fatasao fa Izaho gny Yaveh."'7Dra naminany arak'izay nandidia anahy zaho; raha naminany zaho, dra ingo, nisy feo avy, ze matahosy. Dra nifagnotany niaraky reo tola__tola amigny tola. 8Nizano zaho dra, ingo, teo amin'ereo gny hozasy izao, dra nitombo gny nofo dra nandrakosy anereo gny holisy. Fa sy bo nisy fofonay tao amin'ereo.9Dra nizaka taminahy Yaveh ho: "Maminania amigny fofonay, maminania, ry zanak'olo, dra mizaka amigny fofonay ho: 'Gny Topo Yaveh mizaka anizao: Ry fofonay, mevia boak'amigny rivosy efasy, dra sofy reo ze voavono, ba hahafahan'ereo miay."' 10Ko naminany araky ze fa nandidia anahy zaho; avy tamin'ereo gny fofonay dra velo ereo. Boak'eo dra nisanga tamigny tombony ereo, ze tafiky lahibe.11Dra nizaka taminahy Yaveh ho: "Ry zanak'olo, akohonan'Israely aby reo tola reo. Ingo! Hoy ereo ho: 'Nihamaiky reo tolany, dra lasa gny fanatenany. Nofongorany zahay.' 12Noho izay dra maminania dra zakao ereo ho: 'Gny Topo Yaveh mizaka anizao: Ingo! Hanokaky reo lolondrareo Zaho dra hapiakasy andrareo hiboaky ao amizay, ry vahoako. HInday anao hihery amigny tanin'Israely Zaho.13Dra ho fatandrareo fa Izaho gny Yaveh, gny fa manokaky gny lolondrareo vo minday andrareo hiboaky amin'ereo zaho, ry vahoako. 14Hametraky gny Fagnahiko ao amindrareo Zaho dra ho velo handrareo, dra hapiala sasasy andrareo agny amigny tanindrareo zaho gny fa fatandrareo fa Izaho gny Yaveh. Mitalily anizay zaho dra hagnatateraky anizay__izay gny talilin'i Yaveh."'15Dra avy aminahy gny zakan'i Yaveh, manao anizahoky ho: 16"Koamizao hanao, ry zanak'olo, mangala tapa-kazo raiky ho anigny vatanao dra sorato eo amizay ho: 'Ho an'i Joda vo gny vahoakin"israely, reo namany.' Dra mangala tapa-kazo raiky hafa dra sorato eo amizay ho: 'Ho an'i Josefa, gny tapa-kazon'i Efraima, dra ho an'ireo vahoakin'Israely aby, reo namany.' 17Andeso hiaraky ho tapa-kazo raiky izy ro reo, ba ho lasa raiky eo atagnanao ereo.18Gny fa mizaka aminao reo vahoakao dra manao anizahoky ho: 'Moa sy hizaka aminay gny dikan'ireo rahanao reo ra hanao?' 19dra zakao amin'ereo ho: 'Gny Topo Yaveh mizaka anizao: Ingo! Mangalaky gny tapa-kazon'i Josefa ze eo atagnan'i Efraima vo reo fokon'Israely namany Zaho dra mapifandray anizay amigny tapa-kazon'i Joda, ba ho tapa-kazo raiky avo ereo, dra ho lasa raiky eo atagnako ereo.' 20Hazogny eo atagnanao reo tapa-kazo ze nisoratinao teo amason'ereo.21Zakao amin'ereo ho: 'GNy Topo Yaveh mizaka anizao: Ingo! Handeha hangalaky reo vahoakin'Israely boak'amireo firenena ze nandehanan'ereo Zaho. Hamory anereo boak'amireo tany magnodidy Zaho dra hinday anereo agny amigny taniny. 22Hataoko firenena raiky agny amigny tany ereo, eo amireo tendrombohis'Israely, dra pazaka tokana gny ho pazakan'izy aby reo, dra sy ho firenena ro sasy ereo. Sy ho voazara ho fazaka ro sasy ereo. 23Dra sy handoto gnyvatan'ereo amin'ireo sapiny sasy ereo, reo rahany maharikoriko, na raiky amireo fahotany hafa. Fa hamozy anereo amireo nataony sy apinoa, ze nagnotany zaho, dra hagnalio anereo, dra ho vahoako ereo dra Izaho ho zagnahary.24Davida panopoko gny ho pazakan'ereo. Dra piamby toka gny ho amin'ereo aby reo, dra handeha araky reo fisipiko vo hitandry reo lalako dra hakato anizay ereo. 25Hipetraky agny amigny tany ze nameko an'i Jakoba panopoko ereo, ze nizanognan'ireo razambendrareo. Hitoby ao agnatin'izay mandrakizay ereo__ereo, reo zanany, dra reo zafikeliny, akory Davida panopoko gny ho lahiben'ereo mandrakizay.26Hametraky fagneke-pivavaha miaraky amin'ereo Zaho. Ho fagneke mandrakizay miaraky amin'ereo zay. Hametraky anereo Zaho vo hagnamaro anereo dra hametraky gny toerako masy eo agnevon'ereo mandrakizay. 27Gny toera fonegnako dra hiaraky amin'ereo; ho zagnahary Zaho, dra ho vahoako ereo. 28Dra ho fatas'ireo firenena fa Izaho gny Yaveh ze manoka an'Israely, gny fa eo amin'ereo mandrakizay gny toerako masy."'
Chapter 38

1Avy taminahy gny zakan'i Yaveh, manao anizahoky ho: 2"Ry zanak'olo, apagnatreho an'i Goga, gny tanin'i Magoga, gny lahibenigny zagnaharin'i Meseka vo Tobala gny tarehinao; dra maminania manohisy anazy. 3Zakao ho: 'Izao gny zakanigny Topo Yaveh: Ingo! Manohisy anao zaho, ry Goga, lahibenigny zagnaharin'i Meseka vo Tobala.4Ko hataoko mihodikody handrareo dra hasiako faraingo gny valagnoranao; halefako miaraky aminao reo tafikao aby, reo sovala, dra reo pitikisy sovala, izy aby manao ferovan'avokoa, atoko lahibe miaraky amigny apinga lahibe vo apinga masaiky, izy aby mita mesa avokoa! 5Persia, Kosa, dra Lybia dra miaraky amin'ereo, izy aby miaraky amigny apingan'ereo vo gny ferovan-dohan'ereo! 6Gomera vo reo tafiny aby, dra Beta-togarma, boak'amigny farisy lavisy agny andrefa, dra reo tafiny aby! Maro reo olo gny miaraky aminao!7Mivonogna! Eh, Omagno gny vatanao vo reo tafikao miaraky aminao, dra aoky hanao ho pifehy anereo. 8Ho voatoka handrareo afaranigny andro maro, dra afaky tao maro hanao dra handeha agny amigny tany ze sitrana tamigny sabasy vo navoriny boak'amireo vahoaky maro, navoriny hihery amigny tendrombohis'Israely ze faharava hatrizay. Fa gny tanin'ireo vahoaky dra hala boak'eo amireo vahoaky, dra hitoby sy amigny ahiahy ereo, izy aby! 9Ko hiakasy manahaky gny fandehananigny tafion-drivosy hanao; hanahaky gny raho manaro gny tany hanao, hanao vo reo tafikao aby, reo maramila maro gny fa miaraky aminao.10Izao gny zakanigny Topo Yaveh: Dra amizay andro zay dra hisy eriserisy hiforo ao aponao, dra hihevisy teti-drasy hanao.' 11Dra hizaka handrareo ho: 'Hiakasy ho agny amigny tany malalaky zaho; ho agny amireo vahoaky mangina mitoby sy amin'ahiahy zaho, izy aby dra mitoby agny amizay sy misy manda na hily, dra agny amize sy misy vavahadi-tana. 12Hanambosy reo babo zaho dra hangalasy babo, ba hindesako gny tagnako eo amireo rava ze fa azo hitoby ndraiky, dra amireo vahoaky navory boak'amireo firenena, gny vahoaky ze mahazo biby teza vo fanagna, dra reo ze monin'ao amigny evonigny tany.'13Sheba vo Dedana, dra reo pivaros'i Tarsisy miaraky amireo pialiny tanora aby dra hizaka aminao ho: 'Avy ba hambabo ra hanao? Namory reo tafikao ba hangalaky reo rava, ba hangalaky reo volafosy vo volamena, ba hangalaky gny biby tezan'ereo vo gny fanagna vo ba hahazo babo maro ra hanao?'14Noho izay maminania, ry zanak'olo, dra mizaka amin'i Goga ho: 'Izao gny zakanigny Topo Yaveh: Amizay andro zay, gny fa mitoby sy amin'ahiahy gny Israely oloko, dra sy hamatasy gny momba anereo ra hanao? 15Ho avy boak'amigny toeranao boaky lavisy agny avarasy miaraky amigny tafiky lahibe hanao, izy aby mitikisy sovala, atoko lahibe, tafiky lahibe. 16Hanafiky an'Israely vahoako manahaky gny raho ze manaro gny tany hanao. Amireo andro farany dra hinday anao hanohisy gny taniko zaho, dra mety hahafatasy Anahy reo firenena gny fa haneho gny vatako amigny alalanao zaho, ry Goga, ba ho masy eo amason'ereo.17Izao gny zakanigny Topo Yaveh: Sy hanao ra gny raiky ze nizakako tamin'ireo andro taloha tamigny alalanigny tanan'ireo panopoko, reo paminanin'Israely, ze naminany tamigny fotoan'ereo manoka nandrisy gny tao fa hinday anao hanohisy anereo Zaho? 18Dra ho avy gny andro ze hanafihan'i Goga gny tanin'Israely__izay gny talilinigny Topo Yaveh__hiakasy amigny fahasiahako gny fahoriako.19Amigny zoto-poko vo amigny afonigny haoriako, gny hitaliliako fa amizay andro zay dra hisy horohorotany lahibe ao amigny tanin'Israely. 20Hiozongozo eto agnatrehako ereo__dra gny fian-dranomasy vo reo voronigny lagnisy, reo bibimolanigny saka, dra reo raha-managnay aby ze mandaly amigny tany, vo gny olon-drasy ze eto agnabonigny tany. Hezera reo tandrombohisy dra hihosa reo hasana, mandra-piazeran'ireo manda aby eo amigny tany.21Hitoka sabasy hanohisy anao eo amireo tendrombihisy aby zaho__izay gny talilinigny Topo Yaveh__gny sabasy gny olo sirairay dra hanohisy gny rahalahiny. 22Boak'eo dra hisara anazy amigny areti-mandoza vo lio zaho; dra ora manafosy vo havandra dra solifara mirehisy gny harosako eo ambaniny vo reo tafiny dra reo firenena maro ze mindray aminazy. 23Fa haneho gny halahibeko vo gny fagnamasignako zaho dra hapahafatasy gny vatako eo amason'ireo firenena maro, dra hahafatasy ereo fa Izaho gny Yaveh."'
Chapter 39

1"Amizao hanao, ry zanak'olo, maminania hamely an'i Goga dra zakao ho: 'Izao gny zakanigny Topo Yaveh: Ingo! Manohisy anao zaho, ry Goga, lahiben'i Meseka vo Tobala. 2Hapitoliky anao zaho dra hitariky anao; handesiko miaraky boak'agny avarasy lavisy hanao dra andesiko agny amireo tendrombohis'Israely. 3Dra hataoko miala boak'eo atagna-kavianao gny lefonao dra hataoko milasaky boak'eo amigny tagnanao havana gny sipiky.4Hezera ho maty eo amigny tendrombohis'Israely hanao__hanao vo gny atokonao dra reo maramila ze miaraky aminao. Hameko an'ireo voro pagnety vo reo bibidianigny saka ba ho sakafo hanao. 5Hezera ho maty eo amigny saka hanao, fa Izaho mihisy gny mitalily anizay__izay gny talilinigny Topo Yaveh. 6Dra handefa afo eo amin'i Magoga vo reo ze mony sy amin'ahiahy egny amoro-siraky zaho, dra ho fatas'ereo fa Izaho gny Yaveh.7Fa hataoko fatasy eo agnevon'Israely vahoako gny agnarako masy, dra sy hagnenga gny anarako masy ho zimbazimba sasy zaho; dra ho fatasy gny firenena fa Izaho gny Yaveh, gny Raiky Masy any Israely. 8Ingo! Ho avy gny andro, dra hitranga zay__izay gny talilinigny topo Yaveh.9Reo ze monin'ao amigny tanan'Israely dra hiboaky dra hapiasa fialia ba hirehisy dra hahaavy afo hagnoro anereo__dra apinga masaiky, apinga lahibe, lefo-bory, sipiky, langilangy vo lefo; hapirehisy afo amin'ereo mandrisy gny fito tao reo. 10Sy hamory hita boak'egny agnahisy ereo na hanapaky hazo boak'amireo ala, akory horoan'ereo gny fitova-pelia; hangalaky boak'amireo ze tehangalaky tamin'ereo izy; hambabo reo ze tehambabo anereo ereo__izay gny talilinigny Topo Yaveh."11Dra amizay andro zay dra hanambosy toera ho an'i Goga agny Zaho__lolo agny Israely, lohasaka ho an'ireo ze manao lia ho agny asignananigny ranomasy. Hanaka an'ireo ze magniry gny hisaky anizay. Agny gny handevegnan'ereo an'i Goga miaraky amigny vahoaky aby. Ho tokavin'ereo ho Lohasakan'i Hamona Goga zay.12Mandrisy gny fito vola dra handevy anereo gny akohonan'Israely ba hagnadio gny tany . 13Akory handevy anereo gny vahoakinigny tany aby; dra ho andro fahasiarova ho anereo zay gny fa omem-boninahisy zaho__izay gny fagnambaranigny Topo Yaveh.14Dra hanendry olo hisaky gny tany hatragny ereo, ba hahita reo ze nandeha nisaky, fe maty dra nizano teo amigny talilinigny tany gny fatiny, ba hahafahan'ereo mandevin'anereo, ba hagnadiova gny tany. Amigny faranigny vola fahafito gny hanombohan'ereo gny fikarohany. 15Raha mandalo gny tany reo lelahy reo, gny fa mahita tolan'olo ereo, dra hagnisy mariky eo agnilan'izay, mandrapahavianigny piamby lolo dra handevy anizay egny amigny Lohasakan'i Hamona Goga. 16Hisy tana araky gny agnaran'i Hamona agny. Amin'izay fomba zay gny hagnaliovan'ereo gny tany.17Dra ho anao, ry zanak'olo, izao gny zakan'i Topo Yaveh: Zakao amin'ireo voro manan'elasy aby vo reo bibimola agny agnahisy ho: 'Mindresa mivory dra avia. Mivoria boak'agny amigny magnodidin'aby ho eo amigny soro zay zaho mihisy gny manao anazy ho anao, dra soro lahibe eo amigny tendrombohis'Israely, ba hahafahanao mihina nofo vo mino lio. 18Ho haninao gny nofon'ireo pialy dra ho nominao gny lion'ireo andriandahinigny tany; ho agnondry, zanak'agnondry, osy lahy, dra agnomby lahy ereo, nataveziny tao Basana ereo.19Dra hihina tavy hanao mandra-pahavisinao; izay gny soro ho vonoko ho andrareo. 20Ho visy eo an-databaso amigny sovala, kalesy, piamby, dra reo lelahin'aly aby handrareo__izay gny talilinigny Topo Yaveh.'21Hapetrako eo amin'ireo firenena gny voninahiso, dra ho hitan'ireo firenena gny fisarako ze taterahako dra gny tagnako ze napetrako hamely anereo. 22Ho fatasy gny akohonan'Israely fa Izaho gny Yaveh zagnaharin'ereo manomboky amin'izay andro zay magnagny.23Ho fatas'ireo firenena fa gny akohonan'Israely dra lasa-ko babo nohonigny helok'ereo ze namadihany anahy, ko dra nagnavony gny tavako tamin'ereo zaho dra nanolosy anereo ho eo atagnan'ireo fahavalony fe dra lavonigny sabasy izy aby. 24Nataoko tmin'ereo araky gny fahalotoany vo gny fahotny avo, gny fa fgnavony gny tarehiko tmin'ereo zaho.25Noho izay dra izao gny zakanigny Topo Yaveh: Amizao dra hagnery gny haren'i Jakoba zaho, dra hangoraky gny akohonan'Israely aby, gny fa miasa ami-zoto-po nohonigny agnarako masy zaho. 26Dra hinday gny hegnas'ereo vo gny famadihana aby ze namadihany anahy ereo. Ho halignon'ereo izay aby zay gny fa mitoby sy amin'ahiahy ao amigny taniny ereo, sy misy na iza na iza mapihorohoro anereo. 27Gny fa magnery anereo boak'amigny vahoaky zaho dra mamory anereo boak'ao amigny taninigny fahavalon'ereo, dra haneho gny vatako ho masy eo amasonigny firenena maro zaho.28Dra ho ftas'izy ereo fa Izaho gny Yaveh zagnaharin'ereo satria nandeha azy ereo ho esaky teo amin'ereo firenena aho, sendra avy eo zaho fiharoa izy ereo hihery agny amigny taniny.Sy hagnenga dre raiky amin'izy reo eo amin'ireo firenena zaho. 29Sy hagnavony gny tavako amin'izy reo sasy zaho aby mandasaky gny fagnahiko eo amigny akohonan'Israely__izay gny fagnambaran'ny tompo Yaveh.''
Chapter 40

1Tamy tao fahadimy amby ropolo gny fahababoanay tamy fiandohagny tao tamy andro fahafologny vola, tamy fahefetra amby folo tao tafarany nahababo gny tana-tamin'izay andro zay avo, dra teo aminahy gny tanan'i Yaveh dra nangalaky anahy tany Izy.2Tao agnatiny fahita laha tamin'Agnahary gny nindesany anahy nagnagny amy tanin'Israely. Ninday anahy ho amy fisahara tagny tendrombohisy tena abo Izy;tagny asimo gny nidehoan'ireo tragno lahibegny tana.3Dra nandesiny tagny zaho. Indo , lelahy raiky! Gny endriny dra niendriky varahina. taly rongony fosy vo volotara fandrefesa gny tegny an-tagnany , dra nisanga teo amy fefinigny tana izy. 4Nizaka taminahy gny lelahy ho :''Ry zanak'olo, magnetia amy masonao dra mitenoa amy sofinao, ka atombeno amin'izay aby aborako aminao gny sainao, satria nandesiny tatio ianao ba hahafahako mampiboraky anio aminao. Tatero amy ankohonan'Israely gny raha aby ze ho hitanao.''5Nisy rindry nagnodidy gny farisy gny tempoly. Gny havavany gny volotara fandrefesa tegny an-tagnany lelahy dra enina hakiho, gny halavany hakiho kirairaiky dra hakiho raiky vo vodiavoam-pelatagnany raiky. Nandrefy gny rindry izy;zay dra raiky volotara fandrefesa dra raiky volotara gny haabony.6Laha teo dra nandeha nagnagny amy fefiny tempoly zay nitoliky niagnasignana izy. Niakasy tamy ambaratongan'izay izy dra nandrefy gny tokona gny fefy-raiky volotara gny halaliny.7Reo efitragno fiambena dra raiky volotara gny halavany dra raiky volotara gny zakany; nisy dimy hakiho teo agnelagnelan'ireo efitragno ro, dra gny tokognam-bavahadiny tempoly mariny teo amy lavarangy gny tempoly dra raiky volotara gny halaliny.8Nirefesiny gny lavarangy gny fefy; dra raiky gny volotara gny halavany. 9Nandrefy gny lavarangy gny fefy izy. Raiky volotara gny halaliny. Reo tolagna dra ro hakiho gny sakany. Gny lavarangy gny fefy nanandrify gny tempoly zay. 10Nisy efitragno fiambena telo teo amy andaniny ro gny fefy asignana, dra ninday refy ireo, dra ireo rindry zay nagnasaraky ireo dra nana refy nitovy.11Laha teo nandrefy gny sahany filira amy fefy gny lelahy=folo hakiho;dra nandrefy gny fefiny filira amy fefy-telo amby folo hakiho.12Nandrefy gny rindry zay nanamorogna gny anoloan'ireo efitragno izy-raiky hakiho gny haabony. Reo efitragno dra nirefy enina hakiho isan-dafiny.13Dra nandrefy gny filira amy vavahady teo amy tafo ka hatramy agny efitragno magnaraky izy-dimy amby ropolo hakiho, teo amy filira gny efitragno volohany hatragny amy agny faharo.14Nony avy eo dra nirefesiny gny rindry izay teo agnelagnelan'ireo efitragno fiambena__enipolo hakiho gny halavany; nirefesiny hatragny amigny lavarangin'ny vavahady. 15Gny fidira avy teo anoloan'ny vavahady dra hatragny amigny faran'ny lavarangin'ny vavahady raiky hafa dra dimapolo hakiho. 16Nisy lafonety nirindry nagnagny amin'ireo afitragno vo nagnagny amin'ireo andrin'ireo tao amigny magnodidy an'ireo vavahady aby; dra manahaky izay koa ho an'ireo lavarangy. Nisy lafonety nagnodidy gny tao agnatiny, dra gny sangana kiraikiraiky dra noravahana hazo rofia.17Dra nandesin'ilay lelahy tagny amigny kiaza ambalikigny tepoly zaho. Ingo, nisy efitragno, dra nisy rarivato teo amigny kiaza, nindray tamina efitragno telopolo teo agnilan'ilay rarivato. 18Niakasy nagnagny amigny ilan'ireo vavahady ilay rarivato, dra gny sakan'izay dra nitovy tamigny halavan'ireo vavahady. Izay gny rarivato ambany. 19Avy eo dra nandrefy gny elagnela teo amigny anoloan'ny vavahady ambany dra hatreo amigny alohan'ny vavahady agnatin'ny gny lelahy; zato hakiho gny tany asignana, dra manahaky izay koa gny tany avarasy.20Dra nandrefy gny halavany vo gny sakan'ny vavahady izay tao avarasy gny kiaza ambaliky izy. 21Nisy efitragno telo teo amigny lafiny ro tamin'izay vavahady izay, dra gny vavahady vo gny lavaranginy dra nirefy nitovy tamigny vavahady lahibe___dimapolo hakiho gny fitambaran'ny halavany dra dimy amby ropolo hakiho gny sakany.22Reo vatrangarakelikiny, lavarangany, efitragny, vo reo hazo rofia dra nifagnaraky tamin'gny vavahady miasinagna. Fito dinga gny niakasy nagnagny amin'izeho vo gny lavarangany. 23Nisy vavahady tao amin'gny kianza agnatiny teo agnoloan'gny vavahady nitoliky magnavarasy, sahala anizeho avo koa dra nisy vavahady tagny asinagna; nandrefy teo amin'gny vavahady raiky dra hatragny amin'gny vavahady raiky hafa gny lelahy---zato hakiho gny elagnelany.24Magnarak'izeho dra nandesin'gny lelahy nagnagny amin'gny vavahady filira asimo zaho, ka nirefy nitovy tamin'ireo vavahady ivelany hafa reo rindriny vo lavarangany. 25Nisy varavarakeliky nirindry tao amin'gny filira amin'gny vavahady vo lavarangany dra manahaky gny tao amin'izeho vavahady zeho. Gny vavahady asimo vo lavarangany dra nirefy dimapolo hakiho gny halavany vo dimy amby ropolo hakiho gny sakany26Nisy dinga fito gny niakasy nagnagny amin'gny vavahady vo gny lavarangany, dra nisy sary sokisy rofia tamin'ireo andaniny ro tamin'gny rindry. 27Nisy vavahady tao amin'gny kianza agnatiny tagny amin'gny lafiny asimo, dra nandrefy teo amin'izeho vavahady zeho ka hatragny amin'gny vavahady filira asimo gny lelahy--- zato hakiho gny elagnelany.28Bokeo dra nandesin'gny lelahy nagnao amin'gny kianza agnatiny magnariny gny lalan'gny vavahady asimo zaho, ze nana refy sahala gny an'ireo vavahady hafa. 29Reo efitragnony, rindriny, vo reo lavarangany nirefy nitovy tamin'gny an'ireo vavahady hafa; nisy varavarakeliky nagnodidy gny lavaranga. Gny vavahady agnatiny vo gny lavarangany dra nirefy dimapolo hakiho gny halavany vo dimy amby ropolo hakiho gny sakany. 30Nisy lavaranga avo koa nagnodidy gny rindry agnatiny; Reo dra dimy amby ropolo hakiho gny halavany vo dimy hakiho gny sakany. 31Zeho lavaranga zeho dra nagnatriky gny kianza ivelany nindray tamin'gny sary sokisy hazo rofia teo amin'gny rindriny vo valo dinga gny niakasy nagnagny amin'izeho.32Vo dra nandesin'gny lelahy nagnagny amin'gny kianza agnatiny nagnariny gny lala asinagna zaho dra nandrefy gny vavahady, ze nana refy nitovy tamin'ireo vavahady hafa.33 Reo efitragnony, rindriny, vo gny lavarangany dra nirefy nitovy tamin'ireo vavahady hafa, dra nisy varavarakeliky nagnodidy. Gny vavahady agnatiny vo gny lavarangany dra nirefy dimapolo hakiho gny halavany vo dimy amby ropolo hakiho gny sakany. 34Gny lavarangany dra nagnatriky gny kianza ivelany; nisy hazo rofia teo amin'gny andaniny ro tamin'izeho vo valo dinga gny fekara nagnagny amin'izeho.35Marak'izeho dra nandesin'gny lalahy nagnagny amin'gny vavahady avarasy zaho dra nirefesy zeho; nirefy nitovy tamin'ireo vavahady hafa zeho.36 Reo afitragnony, rindriny, vo gny lavarangany dra nirefy nitovy tamin'ireo vavahady hafa, vo nisy vatrangarakeliky nagnodidy. Gny filira amin'gny vavahady vo gny lavarangany dra nirefy dimapolo hakiho gny halavany vo dimy amby ropolo gny sakany. 37Gny lavarangany dra nagnatriky gny kianza ivelany; nisy hazo rofia teo amin'gny andaniny ro vo valo dinga gny fekara nagnagny amin'izeho.38Nisy efi-tragny nisy avarasy teo agnilan'gny filira amin'gny vavahady agnatiny kiraikiraiky. Teo gny nanasan'ereo gny fagnatisy oroa. 39Nisy latagasy ro isaky gny andanin'gny lavaranga kiraikiraiky, ze namonoa gny fagnatisy oroa, vo koa gny fagnatisy nohon'gny ota vo gny fagnati-pagnoregna40Teo agnilan'gny rindrin'gny kianza, miakasy magnagny amin'gny vavahady tagny avarasy, dra nisy latabasy ro. Teo amin'gny andaniny raiky hafa koa dra nisy latabasy ro teo amin'gny lavarangan'gny vavahady. 41Nisy latabasy efasy teo amin'gny andaniny ro marinin'gny vavahady; namonoan'ereo biby teo ambonin'ireo latabasy valo.42Nisy latabasy vato tapaky efasy ho an'gny fagnatisy oroa, raiky hakiho sy sasany gny halavany, raiky hakiho gny haabony. Teo amin'ireo gny nametrahan'ereo gny fitova ze namonoan'ereo gny fagnatisy oroa ho amin'gny soro.43 Fihantognan-draha ro raiky vodivoam-pelatagna gny halavany gny namehy gny lavaranga magnodidy, vo gny nofon'ireo fagnatisy dra napetraky teo ambonin'ireo latabasy.44Teo agnilan'gny vavahady agnatiny, tao agnatin'gny kianza agnatiny gny nisy gy efitragnon'ireo pihira. Gny raiky tamin'ireo efitragno reo dra tagny avarasy, vo raiky tagny asimo. 45Koa dra ho gny lelahy taminahy ho: "Tihoky efitragno magnatriky asimo agny tihoky dra ho an'ireo pisoro ze miadidy ao an-tepoly.46Gny efitragno mitoliky agny avarasy koa dra ho an'ireo pisoro niadidy tao amin'gny alitara. Reo dra zanadahin'i Zadoka ze magnato mariny an'i Yaveh bo hanopo Anazy; ereo dra isan'ireo zanadahin'i Levy." 47Bokeo izy nandrefy gny kianza--- zato hakiho gny halavany vo zato hakiho gny sakany amina efa-zoro, nindray tamin'gny alitara teo agnoloan'gny tragno.48Bokeo nandesin'gny lelahy nagnagny amin'gny lavarangan'gny tragno zaho dra nirefesy gny tolam-batrangaran'izeho--- dimy hakiho isaky gny andaniny gny hatevinireo. Gny filira dra efasy ambin'gny folo hakiho gny sakany, vo reo rindry isan-dafin'izeho dra telo hakiho gny sakany. 49Gny halavan'gny lavaranga dra ropolo hakiho, vo gny halalikiny dra raiky ambin'gny folo hakiho. Nisy zana-tohasy niakasy nagnagny amin'izeho dra sangana nizoro teo amin'gny andaniny ron'izeho.
Chapter 41

1Bokeo gny lelahy nanday anahy ho agny amin'gny toera masin'gny tepoly dra nandrefy reo tolam-batrangara--- eny hakiho gny sakany amin'gny lafiny aby. 2Gny sakan'gny tolam-batrangara dra folo hakiho; dimy hakiho gny halavan'gny rindry amin'gny lafiny kiraikiraiky. Bokeo gny lelahy nandrefy gny refin'gny fitoera masy--- efapolo hakiho gny haloavany vo ropolo hakiho gny sakany.3Bokeo gny lelahy nandeha tagny amin'gny toera masy loasy dra nandrefy gny tolam-batrangara--- ro hakiho, vo eny hakiho gny sakan'gny vatrangara. Fito hakiho gny sakan'gny rindry amin'gny lafiny aby. 4Bokeo nandrefy gny halavan'gny efisy izy--- ropolo hakiho. Gny sakany--- ropolo hakiho eo agnoloan'gny efitragno lahiben'gny tepoly. Dra ho izy taminahy ho: "Tiky gny toera masy loasy."5Bokeo gny lelahy nandrefy gny rindrin'gny tragno--- eny hakoho gny hateviny. Gny sakan'gny lafin'gny efisy kiraikiraiky magnodidy gny tragno dra efsay hakiho. 6Nisy paosin-tragno nafanongoa telo, efisy raiky ambonin'gny raiky hafa, efisy telopolo isakin'gny ambaratonga. Nisy rindry abo nagnodidy gny rindrin'gny tragno, so hanoha reo lafin'gny efisy aby, akory sy nisy toha napetraky teo amin'gny rindrin'gny tragno. 7Dra niha-nalalaky reo lafin'gny efisy dra nandeha nihodikodiky niakasy, akory nihodikodiky niha-abo nagnodidy aby gny tragno; niha-nalalaky reo efisy arakarakin'gny nekarany, vo nisy tohasy niakasy nagnagny amin'gny ambaratonga abo loasy, amin'gny alalan'gny ambaratonga agnivony.8Bokeo nahita tokontany nasandrasy nagnodidy gny tragno aby zaho, gny fotosy ho an'gny paosin-tragno; nirefy eran'gny volotara gny halavan'izeho--- eny hakiho. 9Gny sakan'gny rindrin'gny paosin-tragno agny ivelany dra dimy hakiho. Nisy toera malalaky teo ivelan'ireo efisy ao amin'gny fitoera masy reo.10Teo amin'gny lafiny ilaniho toera malalaky iho dra nisy gny paosin-tragno ivelany an'gny pisoro; ropolo hakiho gny sakan'iho toera iho magnodidy gny fitoera masy aby. 11Nisy vatrangara teo amin'gny paosin-tragny magnagny amin'gny toera malalaky hafa--- vatrangara raiky teo amin'gny lafiny avarasy, vo gny raiky hafa teo amin'gny ilany asimo. Dimy hakiho gny sakan'iho toera malalaky iho magnodidy aby.12Vo gny tragno lahibe ze nagnatriky gny kianza teo amin'gny lafiny andrefa dra fitopolo hakiho gny sakany. Dimy hakiho gny refin'gny hatevin'gny rindriny magnodidy avy, vo sivifolo hakiho gny halavany. 13Bokeo gny lelahy nandrefy gny fitoera masy--- zato hakiho gny halavany. Vo gny tragno voatoka, gny rindriny, vo gny kianza dra nirefy zato hakiho avo koa gny halavany. 14Zato hakiho avo koa gny sakan'gny agnoloan'gny kianza eo agnoloan'gny fitoera masy.15Bokeo gny lelahy nandrefy gny halavan'gny tragno tao afaran'gny fitoera ,masy, teo andrefany, vo reo lalasara ivelany amin'gny andaniniy ro--- zato hakiho. Gny fitoera masy vo gny lavaranga, 16reo rindry agnatiny vo reo vatrangarakeliky, isan'izeho reo vatrangarakeliky makarakara, vo reo lalasara ivelany magnodidy reo ambaratonga telo dra samby nahy tamin'gny hazo aby. 17Eo ambonin'gny lalasara magnao amin'gny fitoera masy agnatiny vo gny elagnelan'ireo rindry dra nisy hazo rofia nahy sary sokisy.18Voaravaky kerobima vo hazo rofia zeho; mindray amin'gny hazo rofia eo agnelagnelan'gny kerobima kiraikiraiky, vo gny kerobima kiraikraiky dra nana tarehy ro: 19tarehin-delahy raiky magnatriky hazo rofia gny eo amin'gny andaniny , vo tarehina liona tanora magnety magnatriky hazo rofia amin'gny ankilany. Voasokisy magnodidy gny tragno aby reo. 20Bokeo amin'gny tany magnagny ambonin'gny vavahady, dra nisy kerobima vo hazo rofia voasokisy teo amin'gny rindry ivelan'gny tragno21Efa-zoro gny tolan'gny toera masy. Gny tarehin'ireo dra manahaky gny endriky 22gny alitara vita amin'gny hazo agnolaon'gny toera masy, zay telo hakiho gny haabony vo ro hakiho gny halavany amin'gny lafiny kiraikiraiky. Gny zororny, fotony, vo gny rafisiny dra vita tamin'gny hazo. Bokeo gny lelahy nizaka taminahy ho: 'Tiky gny latabasy ze mizoro eo agnatrehan'i Yaveh." 23Nisy vatrangara ro ho an'gny toera masy vo gny toera masy loasy. 24Reo vatrangara reo dra samby kopa-dro, lela-vatrangara ro amin'gny vatangara raiky vo lela-vatrangara ro amin'gny raiky hafa.25Voasokisy teo amin'ereo--- teo amin'ireo vatrangaran'gny toera masy--- gny kerobima vo hazo manahaky gny nandravaha an'ireo rindry, sady nisy tafo hazo teo amin'gny lavaranga eo agnoloany. 26Nisy varavarakeliky makarakara vo hazo rofia teo amin'gny lafin'gny lavaranga aby. Reo gny paosin-tragnon'gny tragno, dra nana tafo mihoasy avo koa reo.
Chapter 42

1Tafaran'izeho dra nandesin'gny lelahy niboaky tagny amin'gny kianza ivelany tagny amin'gny lafiny avarasy zaho, vo nandesiny tao amin'gny efi-tragno tandrifin'gny kianza ivelany vo gny rindry avarasy ivelany. 2Reo efi-tragno reo dra zato hakiho gny eo agnoloany vo dimapolo hakiho gny sakany. 3Gny sasany amin'ireo efitragno reo dra magnatriky gny kianza agnatiny vo ropolo hakiho ivelan'gny fitoera masy. Ambaratongan-tragno telo gny tao, vo reo ambony dra nagnety ambany amin'ireo ambany vo nisokasy amin'ereo, mana lalasara. gny efitragno sasny ddra nitaza teo amin'gny kianza ivelany.4Lala folo hakiho gny teo amin'gny sakany vo zato hakiho gny sakany gny magneo alohan'ireo efi-tragni. Nagnatriky gny avarasy gny vatrangaran'ireo efitragno. 5Fa reo efitragno ambony dra kelikeliky, gny lalansara dra nangala toera malalaky noho gny amboany co gny agnivon'gny ambaratongan'gny tragno be. 6Fa reo efitragno draagny amin'gny righa fahtelo dra sy nana andry, sy manahaky reo kianza, ze tokony hana andry. Dra gny ambaratongan'gny efitragno abo loasy dra keliky habe no mihoasy amin'ireo efitragno agny ambany loasy vo reo ambaratonga agnivony.7Gny rindry agny ivelany dra nagnaraky gny efisy magnatriky gny kianza ivelany, gny kianza ze magnoloa reo efitragno. Zeho rindry zeho dra dimapolo hakiho gny halavany. 8Gny halavan'ireo efitragnon'gny kianza ivelany dra dimapolo hakiho, vo reo efitragno magnatriky gny fitoera masy dra zato hakiho gny halavany. 9Nisy filira teo amin'gny efitragno ambany loasy magnagny amin'gny lafiny asinanga, milisy ao amin;gny j=kianza ivelany.10Nanera gny rindrin'gny kianza ivelany ao amin'gny lafiny asinagna ivelany, nanoloa gny kianza agnatin'gny fitoera masy, dra nisy efitragno avo koa 11nindray tamin'gny lala nanoloa andreo. Ereo dra endrik'ireo efitragno amin'gny lafiny avarasy. Nitovy gny halavan'ereo vo gny sakany dra reo fiboaha vo reo fifagnaraha vo reo vatrangara.12 Teo amin'gny lafiny asimo gny nisy reo vatrangara eo amin'gny efitragno ze mitovy amin'gny eo amin'gny lafiny avarasy. Gny lala ao agnatiny dra nisy vatrangara teo amin'gny lohany, vo gny lala dra nisokasy ho an';ireo efitragno isan-karazany. Teo amin'gny lafiny asinagna dra nisy vavahady nagnao amin'gny lala magnagny amin'gny farany raiky.13Dra ho gny lelahy taminahy ho: "Gny efitragno avarasy vo gny efitragno asimo magnoloa gny kianza ivelany dra efitragno masy ze hihinanan'ireo pisoro ze miasa eo ahnilan'i Yaveh gny sakafo indrindra. Ao gny ametrahan'ereo gny raha ze masy loasy--- gny fagnatisy sakafo, gny fagnatisy nohon'gny ota, vo gny fagnatisy nohon'gny heloky--- akory toera masy iho. 14No milisy ao gny pisoro, aoky ereo sy hiala ao amin'gny toera masy ho agny kianza ivelany, no sy mametraky mariny gny fitafia ze nanopoan'ereo, akory masy reo. Dra aoky ereo hitafy fitafia hafa mialoha gny fagnatogna olo."15Vitan'gny lelahy gny fandrefesa gny tao agnatin'gny tragno dra nandesy niboaky tagny amin'gny vavahady ze magnatriky gny asinagna zaho dra nirefesy gny farisy magnodidy aby tegny.16Nandrefy gny lafiny asinagna volotara fandrefesa izy--- diman-zato hakiho tamin'gny volotara fandrefesa. 17Nirefesiny gny lafiny avarasy--- diman-zato hakiho tamin'gny volotara fandrefesa. 18Nirefesiny avo koa gny lafiny asimo--- diman-zato hakiho tamin'gny volotara fandrefesa. 19Navalikiny sady nirefesiny koa gny lafiny andrefa--- diman-zato hakiho tamin'gny volotara fandrefesa.20Nirefesiny tamin'gny lafiny efasy zeho. nana rindry magnodidy anazy zrho ze diman-zato hakiho gny halavany, vo diman-zato hakiho gny sakany, so hapisaraha gny masy amin'ize iombona.
Chapter 43

1Bokeo gny lelahy nanday nahay teo amin'gny vavahady ze nisokasy niasinagna. 2Ingo! Avy boaky agny asinagna gny voninahisin'gny Zagnaharin'Israely; manahaky gny feon'gny rano maro gny feony, dra namirasy gny voninahisy gny tany.3Zeho dra raky gny fisehoan'gny fahita ze hitako, araky gny fahita ze hitako no avy handrava gny tana Izy, vo reo fahita dra manahaky gny fahita ze hitako tao amin'gny Lakan-dranon'i Kebara--- vo niankohoky tamin'gny tarehiko zaho. 4Dra avy tao an-tragni tamin'gny lala magnagny am-bavahady ze nisokasy niasinagna gny voninahis'i Yaveh.5 Dra nanainga anahy gny Fagnahy dra nanday anahy tao an-kianza. Ingo! Nameno gny tragno gny voninahis'i YAveh.6Nizoro teo agnilako gny lelahy, vo nahare olon-kafa niresaky taminahy boaky tao an-tragno zaho. 7Ho Izy taminahy: "Ry zanak'olo,tiky gny fitoeran'gny seza fiandrianako vo fitoeran'gny faladian-tomboko, ze hirobohako eo agnivon'gny vahoakin'Israely mandrakizay--- ereo na gny pazakan'ereo--- amin'gny sy finoa na amin'gny fatin'ireo pazakany teo amin'gny toera abony. 8Sy hanimbazimba gny agnarako masy amin'gny fametraha gny tokonam-baravaran'ereo marin'gny tokonam-baravarako sasy ereo, dra reo sanganam-bavahadin'ereo marin'gny sanganam-bavahadiko, ndre amin'gny ino ndre ino laha-sy fefy raiky eo agnelagnelako vo ereo. Nanimazimba gny agnarako masy tamin'ireo asa maharikoriko ereo, dra handevo andreo amin'gny hahoriako Zaho.9Amizao aoky ereo hanagalaky gny sy finoan'ereo vo gny fatin'gny pazakany eo agnoloako, dra hitoboky eo agnivon'ereo mandrakizay Zaho.10Ry zanak'olo, hanao mihisy gny aoky hizaka mahakasiky anizeho tragno zeho amin'gny hasaveregnan'Israely so ho megnasy noho reo helony ereo. Tokony hihevisy mahkasiky zeho famatara zeho ereo.11 Fa no megnasy nono ze iaby nahiny ereo, dra ambarao amin'ereo gny sarin-tragno, gny asipirihany, gny fiboahany, gny filirany, vo gny sariny aby, vo gny lily aman-dalagnany aby. Dra soraty eo amason'ereo zeho so hitandremany gny sarin'izeho vo gny lilin'izeho aby, dra hagneky regny.12Zeho gny fisipiky ho an'gny tragno: Hatregny amin'gny tampon'gny havoa magnodidy gy farisy aby magnodidy anizeho, dra ho masy loasy. Igno! Zeho gny ho fisipiky ho an'gny tragno.13Tahoky gny ho refin'gny alitara amin'gny hakiho--- zeho hakiho zeho dra ho akiho mahazasy sady vodivoam-pelatagna amin'gny halavany. Koa gny fanso magnodidy gny alitara dra ho hakiho laliky, vo gny sakany dra ho hakiho raiky avo koa. Gny farisy magnodidy gny sisiny magnodidy dra ho iran-zehy. Zeho gny ho fotosy gny alitara. 14Bokeo amin'gny fansona miakasy agny amin'gny rindry abo amin'gny alitara dra ro hakiho, vo gny rindry dra raiky hakiho gny sakany. Vo boaky eo amin'gny rindry keliky miakasy amin'gny velaran'gny sisin'gny laitara, dra efasy hakihi zeho, gny valaran'gny sisiny dra raiky hakiho gny sakany.15Gny fata eo amin'gny alitara ho an'gny fagnatisy oroa dra efasy hakiho gny halavany, vo misy tandroky efasy manondro miakasy eo amin'gny fata. 16Gny fata dra ro ambin'gny folo hakiho gny halavany vo ro ambin'gny folo hakiho gny sakany, efa-zoro. 17Gny faris'izeho dra efasy ambin'gny folo hakiho gny halavany vo efasy amin'gny folo gny sakany amin'gny lafiny efasy kiraikiraiky aby, vo gny morony dra ansasa-hakiho. Gny fanso dra raiky hakiho gny sakany magnodidy aby vo reo zana-tohas'izeho dra mitoliky agny asinagna."18Magnarak'izeho dra ho Izy taminahy ho: "Ry zanak'olo, zeho gny zanan'gny Tompo Yaveh: Tahoky gny fisipiky ho an'gny alitara amin'gny andro anaovan'ereo anizeho, ho an'gny fanandrata gny fagnatisy oroa ao agnatin'izeho. 19Hanolosy agnomby lahy boaky amin'gny biby fiteza ho fagnatisy nohon'gny ota ho an'ireo pisoro Levita ze taranak'i Zadoka hanao, dra reo ze nagnariny Anahy bo hanopo Anahy--- zeho gny fagnambaran'gny Tompo Yaveh.20Bokeo hanao hangalaky gny sasany amin'gny lion'izeho dra hametraky anizeho eo amin'gny alitaran'gny tandroky efasy vo gny lafy efasy gny sisiny dra eo amin'gny morony magnodidy; hagnaldio anizeho hanao dra hanao fagnavota ho an'izeho. 21Dra managala agnomby lahy ho fagnatisy nohon'gny ota dra oroy eo amin'gny farisy voatendry ao amin'gny farisy gny tepoly ivelan'gny fitoera masy zeho.22Vo amin'gny andro faharo hanao dra hanolosy osy lahy sy misy kilema boaky amin'ireo osy ho fagnatisy nohon'gny ota; hagnadio gny alitara manahaky gny nagnadiovany anizeho tamin'gny agnomby lahy reo pisoro.23 Nofa vitaniha gny fagnadiava anizeho, dra manolora agnomby lahy sy misy kilema boaky amin'gny biby fiteza vo agnondry lahy sy kilema boaky amin'gny agnondry aman'osy. 24Atolory eo agnatrehan'i Yaveh reo; dra handraraky sira eo amin'ireo pisoro dra hanandrasy reo fagnatisy oroa ho an'i Yaveh.25Manomagna hanao osy lahy ho fagnatisy nohon'gny ota isan'andro mandrisy gny hafitoa, dra aoky ereo pisoro hanoma agnomby lahy sy misy lahy amin'gny biby fiteza vo agnomdry aman'osy avo koa. 26Aoky ereo hanonitry gny alitara hateloa dra hagnadio anizeho, dra amin'izeho fomba zeho gny hagnamasignan'ereo anizeho. 27Aoky hameno reo andro reo ereo, vo amin'gny andro fahavalo vo magnaraky anizeho dra hagnoma gny fagnatisy oroandrareo vo gny fagnati-pihavandrareo eo amin'gny alitara reo pisoro, dra hankasitraky andrareo Zaho--- zeho gny fagnambaran'gny Tompo Yaveh."
Chapter 44

1Dra nanday anahy nihery tagny amin'gny vavahady ivelan'gny fitoera masy ze magnatriky miasinagna gny lelahy; nihidy fatrasy zeho. 2Ho Yaveh taminahy ho: "Voatombo-kase iho vavahady iho; sy ho vaosokasy zeho. Sy hisy olo handalo eo amin'izeho, gny nandalo tamin'izeho, ka dra voahily fatrasy zeho. 3Gny panapak'Israely dra hipetraky amin'izeho so hihinan-kany eo agnoloan'i Yaveh. Hilisy amin'gny lalan'gny lavarangan'gny vavahady izy dra hiboaky amin'igny lala igny avo."4Bokeo dra nandesiny tamin'gny lalan'gny vavahady avarasy ze magnatriky gny tragno zaho. Dra nagnety zaho dra ingo, gny voninahis'i Yaveh nameno gny tragnon'i Yaveh, dra nikarapoky niankohoky zaho. 5Dra ho Yaveh taminahy ho: "Ry zanak'olo, mandiniha soa dra magnetia amin'gny masoniha vo mitenoa amin'gny sofiniha gny amin'ize iaby fa ambarako aminiha, vo gny lily aman-sipikin'izeho aby . Saino gny mahakasikin'gny filira vo gny fiboaha ao amin'gny tragno.6Dra zakao amin'ire ze pikomy, gny hasaveregnan'Israely ho: 'Zeho gny zakan'gny Tompo Yaveh: Aoky ho apy andrareo reo asa maharikorikondrareo aby, ry hasaveregnan'Israely--- 7ze nandesandrareo vahiny sy mifora vo sy mifora nofo so ho ao amin'gny fitoerako masy, magnirasirasy gny tragnoko, no nanolosy sakafo ho Anahy handrareo, sabora vo lio--- nanapaky gny fanekem-pihavagnako tamin'ireo fihesikindrareo maharikoriko aby handrareo.8Sy nagnatateraky reo adidindrareo momban'gny rahako masy handrareo, fa nanendry olon-kafa handrareo so hangala reo adidindrareo, vo nanendry andreo so hikarakara gny fitoerako masy. 9Ho gny Tompo Yaveh ho: Sy misy vahiny, sy voafora fo vo nofo, boaky amin'ize mony eo amin'gny vahoakin'Israely, afaky hilisy eo amin'gny fitoerako masy.10Amizao dra nagnalavisy Anahy reo Levita--- nirerirey niala taminahy ereo, magnara-dia reo sapiny --- fa hagnefa gny amin'gny fahotan'ereo ereo. 11Panopo ao amin'gny fitoerako masy ereo, miamby gny vavahadin'gny tragno vo manopo ao amin'gny tragno sady mamono gny fagnatisy oroa vo gy soron'gny vahoaky ereo, dra hizoro magnoloa gny vahoaky ereo dra hanopo andreo.12 Fe noho ereo fa nagnatateraky gny soron'ereo naoloa reo sapiny, dra nazary vato manafintohy eo agnoloako nohon'gny ota tamin'gny vahoakin'Israely ereo, Noho zeho dra hasangako gny tagnako hifata fifata hanohisy andreo --- zeho gny fagnambaran'gny Tompo Yaveh--- handay gny saziny ereo.13Sy hagnato mariny Anahy so hiasa manahaky gny pisoroko na hagnato ze mety ho rahako masy ereo, reo raha masy loasy. Fe koa, handay gny fahafaham-barakany gny heloky gny asa maharikoriko ze nahiny ereo.14 Fa hapetrko ho piamby gny asa ao amin'gny tragni ereo, gny amin'gny adidin'izeho iaby vo ze iaby ahy agnatin'izeho.15Dra reo Levita pisoro, dra reo zanak'i Zadoka ze nagnatateraky gny alin'gny fitoera masy no nirerirery niala taminahy gny vahoakin'Israely--- hagnato mariny Anahy ereo so hanopo Anahy. Hisanga magnoloa Anahy ereo so hanolosy gny sabora vo gny lio--- zeho gny fagnambaran'gny Tompo Yaveh. 16Ho avy ao amin'gny fitoerako masy ereo; hagnato gny labasiko so hanopo Anahy ereo dra hagnatateraky reo adidiny Aminahy.17Noho zeho nofa magnato gny vavahadin'gny kianza agnatiny ereo, dra mila mitafy rongony fosy, akory ereo sy mahazo milisy mindray amin'gny volon'agnondry ao agnatin'gny vavahadin'gny kianza agnatiny vo gny tragnon'izeho. 18Tokony hisy hamna rongony fosy gny lohan'ereo vo atin'akazo rongony fosy eo amin'gny valahany. Aoky ereo sy hitafy akazo ze mapahadigniry andreo.19Nofa hiboaky ho eo amin'gny kianza ivelany ereo, ho eo amin'gny kianza ivelany so handeha ho agny amin'gny vahoaky, dra aoky hangalaky gny akazo ze nisikinany tamin'ereo nanopo; aoky ho alan'ereo zeho dra hapetrak'ereo ambany ao amin'gny efisy masy, dra sy hanenga olon-kafa ho masy amin'gny fikasoha gny akazony miavaky ereo.20Dra aoky ereo sy hanaratry gny lohen'ereo na hanenga gny volon'ereo hiraviravy an-kahalalaha, fa aoky ereo hikarakara gny volon-dohan'ereo. 21Sy tokony hisy pisoro hino divay no magneo amin'gny kianza agnatiny, 22na hangala panday vata na apela nisara-baly ho valiny, fa viriziny boaky amin'gny hasaveregnan'Israely avo na panday vata ze nanambaly pisoro teo aloha.23 hapianasy gny oloko gny fahasambihafa eo amin'gny masy vo sy masy ereo; hapahafatasy andreo gny maloto amin'gny malio ereo. 24Amin'gny fifandira gny hisangana'ereo hisara mindray amin'ireo liliko; aoky ho mary ereo. Hitandry gny lalako vo reo liliko ereo amin'gny fanasa aby, sady hakalaza gny Sabatako ereo.25Sy handeha agny amin'gny fatin'olo so ho lasa maloto ereo, no sy ho ra na renin'ereo zeho, zanadahy na zanakaepla, rahalahy na anabavy ze sy bo nindray nandry tamin'gny lelahy; no sy zeho, hanzary maloto ereo. 26Afaran'gny mapaloto gny pisoro, dra hagnisa hafitoa ho anazy izy.27 Amin'gny andro ze ilirany ao amin'gny toera masy, ao amin'gny kianza agnatiny so hanopo ao amin'gny toera masy, dra aoky handay fagnatisy nohon'gny ota aho anay izy--- zeho gny fagnambaran'gny Tompo Yaveh.28Zeho gny ho lovan'ereo: Zaho gny lovan'ereo, dra aoky handareo sy hagnome fanagna eo amin'Israely ho andreo; Zaho gny ho fanagnan'ereo! 29Hihina gny fagnatisy hohany ereo, gny fagnatisy nohon'gny ota, gny fagnatisy nohon'gny heloky, vo ze iaby feno fanoloram-bata ho an'i Yaveh ao Israely, dra ho andreo.30Gny soa loasy amin'ireo voloham-bokasy amin'gny raha aby vo gny fandrambesa anzara aby, ndre ino ndre ino abyy amin'gny fandrambesandrareo anzara aby dra ho an'gny pisoro, vo hagnome gny soa loasy amin'gny fagnatisy sakafondrareo ho an'gny pisoro handrareoso hitoeran'gny fitahia ao an-tragnondrareo. 31Reo pisoro dra sy hihina fatim-biby na biby voaviravira, na voro na biby.
Chapter 45

1Nofa miloka so hizara gny tany ho lova handrareo, dra aoky hanao fagnatisy ho an'i Yaveh; iho fagnatisy iho dra ho zara masin'gny tany, dimy arivo sy ro aly hakiho gny halavany, vo ray aly hakiho gny sakany. Ho masy zeho, gny farisy aby magnodidy anizeho. 2Bokeo amin'izeho dra hisy efa-zoro ze mirefy dimanzato hakiho tora-dro magnodidy gny toera masy, mindray amin'gny rafisy magnodidy ze mirefy dimapolo hakiho gny sakany.3Bokeo amin'iho fotoa iho gny handrefesaniha apahany raiky ze dimy arivo sy ro aly hakiho gny halavany vo ray aly gny sakany; 4ho fitoera masy zeho, gny toera masy indrindra. Ho toera masy ao amin'gny tanin'ireo pisoro ze manopo an'i Yaveh zeho, ze nagnati mariny an'i Yaveh bo hanopo Anazy. Ho toeran'gny tragnon'ereo zeho sady farisy masy ho an'gny toera masy.5 Dra ho dimy arivo sy ro aly hakiho gny halavany vo ray aly gny sakany, vo ho tanan-dahibe ho an'ireo Levita ze manopo ao amin'gny tragno zeho.6Hanondro farisy ho an'gny tana hanao, diny arivo hakiho gny sakany vo dimy arvo sy ro aly gny halavany, zeho dra ho eo agnilan'gny farisy voatoka ho an'gny toera masy; zeho tana zeho dra ho an'gny hasaveregnan'Israely. 7Gny tanin'gny andriandahy dra ho eo amin'gny andaniny ro an'gny farisy voatoka ho an'gny toera masy vo gny tana. Ho eo amin'gny andrefany vo eo amin'gny asinagnany zeho. Gny halavany dra hitovy amin'gny halavany raiky amin'ireo apahany ireo, boaky agny andrefa magnagny asinagna.8Zeho tany zeho dra ho fanagnan'gny andriandahy agny Israely. Reo andriandahiko dra hapaory gny vahoakiko sasy; fe koa, hagnome gny tany ho an'gny hasaveregnan'Israely, ho an'gny fokon'ereo.9Gny Tompo Yaveh dra mizaka zeho: Apy zeho, ry andriandahin'Israely! Alao gny herisetra vo gny fifandira; manaova gny rariny vo gny fahamarigna! Hialao gny fandroasaniha gny vahoakiko! ---- zeho gny fagnambaran'gny Tompo Yaveh. 10Aoky handrareo hana mizana mary, efaha mary, vo bata mary! 11Gny efaha vo gn bata dra hitovy fatra, so ho apahafolon'gny homera gny bata raiky; gny efaha dra ho apahafolon'gny homera raiky. Gny fandrefesa anazy reho dra hitovy amin'gny homera. 12Gny sekely raiky dra ho ropolo gera; gny sekely enipolo dra ho mina raiky ho andrareo.13Zehi gny fandrambesa anzara sy mainsy asehondrareo: gny apaha-enin'gny efaha raiky isaky gny homeram-bary tritiky aby, vo hagnome apaha-enin'gny efaha raiky isaky gny homeram-bary hordea handrareo. 14Gny lalagnan'gny fagnatisy dililo dra apaha-folon'gny bata raiky isaky gny kora (zay bata folo), na isaky gny homera raiky, akory gny homera raiky dra bata folo avo koa. 15Agnondry na osy raiky amin'gny agnondry aman'osy isaky gny biby ronzato aby boaky amin'gny farisy lonak'Israelu gny hapesa amin'gny fanaova fagnatisy oroa na fagnati-pihavagna hanaova fagnavota gny vahoaky --- zeho gny fagnambaran'gny Tompo Yaveh.16Gny vahoaky aby aeo amin'gny tany dra hanao zeho fandrambesa anzara zeho ho an'gny andriandahy agny Israely. 17Ho andraikisy gny andriandahy gny mamasy reo biby ho amin'ireo fagnatisy oroa, reo fagnatisy hohany, vo reo fagnatisy iomy amin'gny firavoravoa vo gny fakalaza gny vola vaovao, vo amin'gny andro Sabata--- gny firavoravoa fa voatondron'gny taranak;Israely aby. Hamasy amin'ireo fagnatisy nohon'gny ota izy, reo fagnatisy bihy, reo fagnatisy oroa, vo reo fagnati-pihavagna ho amin'gny fagnavota ho an'gny hasavregnan'Israely.18Gny Tompo Yaveh mizaka zeho: Amin'gny vola volohany, amin'gny andro volohan'gny vola, dra hangal agnomby lahy sy misy kilema boaky amin'gny agnomby hanao dra hanao fagnatisy gny ota ho an'gny fitoera masy. 19Gny pisoro dra hangalaky gny sasany amin'gny lion'gny fagnatisy nohon'gny ota dra hametraky anizeho eo amin'gny tolam-batrangaran'gny trano vo egny amin'gny sisin'ireo zorony efasy gny sisin'gny alitara, vo egny amin'gny tolam-batrangaran'gny kianza agnatiny. 20Ho ahiniha isaky gny fahota sy nahy na tamin'gny sy fahalalan'gny olo raiky zeho amin'gny andro fahafiton'gny vola; hagnavosy gny tepoly hanao amin'izeho21Amin'gny vola fahadimy amin'gny andro fahaefasy ambin'gny folon'gny valoa, dra hisy firavoravoa ho andrareo, firavoravoa hafitoa. Hihina mofo sy misy lalivay hanao. 22Amin'iho andro iho, gny andriandahy dra hagnoma agnomby lahy raiky ho fagnatisy nohon'gny ota ho an'gny vatany vo ho an'gny vahoaky aby amin'gny tany.23Mandrisy gny firavoravo hafitoa, gny andriandahy dra hagnoma fagnatisy oroa ho an'i Yaveh: agnomby lahy fito vo agnondry lahy sy misy kilema sito isan'andro mandrisy gny hafitoa, vo osy lahy raiky isan'andro ho fagnatisy nohon'gny ota. 24Bokeo gny andriandahy dra hanao fagnatisy hohany araiky vo raiky efaha isaky gny agnondry lahy mindray amin'gny dililo hina raiky gny efaha.25Amin'gny vola fahafito amin'gny andro fahadimy ambin'gny folon'gny vola, agny amin'gny firavoravoa, dra hanao fagnatisy mandris'ireo fitoa andro ireo gny andriandahy: fagnatisy nohon'gny ota, fagnatisy oroa, fagnatisy hohany, vo fagnatisy gny dililo.
Chapter 46

1Zeho gny zakan'gny Tompo Yaveh: Gny vavahadin'gnyu kianza agnatiny, magnatriky gny asinagna, dra hakatoky mandrisy gny eny andro amin'gny fiasa, fa hosokafa koa zeho amin'gny Sabata, vo amin'gny andron'gny voloham-bola. 2Hilisy gny ivelan'gny kianza amin'gny lalan'gny vavahady vo gny lavaranga boaky agny ivelan'izeho gny andriandahy, dra hisana magnoloa gny tolam-batrangaran'gny vavahady agnatiny no bo manao gny fagnatisiny oroa vo gny fagnati-pihavagna gny pisoro. Dra hagnome voninahisy eo an-tokonam-batrangaran'gny vavahady agnatiny izy dra hiboaky, fa sy hakatoky gny vavahady m,andra-pahariva.3Gny vahoakin'gny tany avo koa dra manopo eo agnatrehan'i Yaveh eo amin'gny filira amin'iho vavahady iho amin'gny Sabata vo reo voloham-bola. 4Gny fagnatisy oroa ze atolosy gny andriandahy ho N'i Yaveh amin'gny andro Sabata dra zanak'agnondry eny sy misy kiema vo osy lahy sy misy kilema. 5Gny fagnatisy vary mindray amin'gny osy lahy dra ho efaha raiky, vo gny fagnatisy vary minadray amin'gny zanak;agnondry dra ze iriny ome, vo dililo raiky hina isaky gny vary raiky efah.6Amin'gny andron'gny voloham-bola dra aoky izy hanolosy agnomby sy misy kilema boaky amin'gny andian'agnomby, zanak'agnondry eny, vo aosy lahy sy manan-kilema. 7Aoky izy hanao fagnatisy vihy raiky efaha isam-batotr'agnombalahy, vo raiky efaha ho an'gny agnondry lahy, vo ze iriny ho an'ireo zanak'agnondry, vo dililo raiky hina isan'efaham-bary aby.8 Nofa milisy amin'gny vavahady vo gny lavarangany gny andriandahy, dra aoky izy hiala amin'gny lala nandehany avo.9Fa nofa avy eo agnatrehan'i Yaveh amin'ireo firavravoa voatondro gny olon'gny tany, ndre ia ndre ia milisy amin'gny vavahady avarasy so hanopo dra aoky hiboaky amin'gny vavahady asimo; vo ndre ia ndre ia milisy amin'gny vavahady asimo dra aoky hiboaky amin'gny vavahady avarasy. Sy miay olo afaky mihery agny amin'gny vavahady ze nilirany, fa sy mainsy miboaky mahisy izy. 10Aoky ho eo agnivon'ereo gny andriandahy; nofa milisy ao ereo, dra sy mainsy milisy izy, vo nofa miala ereo, dra sy mainsy miala11Ao amin'ireo firavoravoa, aoky ho efaham-bary raiky isam-batos'agnombilahy vo efaha isan'agnondry lahy gny fagnatisy vary, vo ndre ino ndre ino iriny ome mindray amin'ireo zanak'agnondry, vo dililo raiky hina isan-kefaha. 12Nofa magnome fagnatisy an-sitrapo gny andriandahy, nafagnatisy oroa na fagnati-pivavaha ho an'i Yaveh, dra ho sokafa ho anazy gny vavahady ze magnatriky gny asinagna. Hanolosy gny fagnatisiny oroa na gny fagnati-pihavagnany manahaky gny ahiny isan'andro Sabata izy. Bokeo dra sy mainsy hiboaky izy, vo afaran'gny hiboahany dra hakatoky gny vavahady.13Fagnapin'izeho, hagnome zanak'agnondry sy misy kilema eritao ho fagnatisy oroa ho an'i Yaveh isan'andro hanao; hanao zeho isaky maray hanao. 14Hagnome fagnatisy vary miaraky amin'izeho isaky maray hanao, gny apahaheny amin'gny efaha vo apahatelon'gny dililo raiky hina so handemana gny koban'gny fagnatisy vary ho an'i Yaveh, araky gny lalagna maharisy. 15Hikarakara gny zanak'agnondry, gny fagnatisy vihy, vo gny dililo isaky maray, fagnatisy oroa maharisy ereo.16Zeho gny zakan'gny Tompo Yaveh: No magnome fagnomeza ho an'gny raiky amin'ireo zanadahiny gny andriandahy, lova zeho. Ho fanagnan-zanany zeho, lova zeho. 17Fa no magnome fagnomeza boaky amin'gny lovany ho an'gny raiky amin'ireo panopony izy, dra ho an'gny panopo zeho ambara-pahavin'gny tao fahafaha, vo bokeo dra hihery agny amin'gny andriandahy zeho. Reo lovany dra ho an'ireo zanadahiny vatany. 18Sy hangalaky gny lovan'gny olo amin'gny zara-taniny avo gny andriandahy; sy mainsy hagnome boaky amin'gny zara-taniny ho an'ireo zandahiny izy so sy hielezan'ireo oloko, reo olo kiraikiraiky boaky amin'gny zara-taniny avo."'19Vo bokeo nanday anahy teo amin'gny filira teo amin'gny vavahady magnagno amin'ireo efisy masin'ireo pisoro gny olo, ze nagnatriky gny avarasy dra ingo! Nisy toera tagny andrefa. 20Ho izy taminahy ho: "Tiky gny toera ze sy mainsy hahandroan'ireo pisoro gny fagnati-pagnoregna vo fagnatidy nahon'gny ota dra ze sy mainsy hagnedasan'ereo gny fagnatisy vihy. Sy tokony handay fagnatisy ao ivelan'gny kianza ereo, fa bokeo dra ho hamasigny gny vahoaky.21Bokeo dra nanday anahy tagny amin'gny kianza ivelany izy dra nandesiny tagny amin'gny zorony efas'izeho kianza zeho zaho, dra hitako fa nisy fisara hafa tamin'gny zoron'gny kianza aby. 22Amin'ireo zorony efasy gny kianza ivelany dra nisy kianza keliky efasy, efapolo hakiho gny halavany vo telopolo gny velarany. Refy mitovy aby ho an'ireo kianza efasy aby. 23Misy toera nahy tamin'gny vato nagnodidy gny efasy tamin'ereo, vo gny fata fandrahoa dra tao amban'gny laharam-bato. 24Ho gny lelahy taminahy ho: "Reo gny toera ze hahandroan'gny panonon'gny tepoly gny soron'gny vahoaky."
Chapter 47

1Bokeo gny lelahy dra nanday anahy nagnao amin'gny filira ao amin'gny tepoly, dra nisy rano nikoria boaky ao ambanin'gny tokonam-batrangaran'gny tragno amin'gny asinagnan'gny tepoly--- teo agnoloan'gny tepoly magnatriky gny asinagna--- vo gny rano dra nikoria nagnagny amin'gny ilany asimon'gny tepoly, magnagny an-kavagnan'gny alitara. 2Dra nandesy niboaky tamin'gny vavahady andrefa zaho vo nagnodidy gny vavahady magnatriky gny asinagna, vo nisy rano nikoria boaky amin'iho vavahady iho tamin'gny ilany asimo.3No nagnagny asinagna gny lelahy, dra nisy famolay tegny an-tagnany; nandrefy arivo hakiho izy dra nanday anahy namakivaky rabo ze rano laliky hatregny an-kitrokeliky. 4Dra nadrefy arivo hakiho ndraiky izy dra nanday anahy namakivaky rano ze rano laliky hantregny am-pokopoko; dra nandrefy arivo hakiho izy dra nanday anahy tamin'gny rano laliky hatregny am-balaha. 5Bokeo dra nandrefy arivo hakiho hafa izy, fe renirano ze sy afaky niapitako zeho akory niakzasy rano sady laliky sy afaky halomagnosa --- renirano ze sy afaky niapita zeho.6Ho gny lelahy taminahy: " Ry zanak'olo, hitaniha se iho?" dra nanday anahy niboaky izy dra napihery anahy tegny amin'gny sisin'gny renirano. 7No igny nihery igny zaho, dra nisy hazo maro tegny amin'gny sisin'gny renirano dra tegny amin'gny andaniny ilany avo koa. 8Ho gny lelahy taminahy: "Miboaky magnagny amin'gny faritany asinagna iho rano iho dra m,izoso magnagny Arahaba; mikoria magnagny amon'gny Ranomasin'gny Sira zeho dra hapadio anazy.9Vo gny raha managn'ay aby sesehena dra hivelo agny amin'ize handehanan'gny rano; hisy hazandrano maro ao, akory mikoria agny gny rano. Hapadio gny rano masy zeho. Hivelo agny amin'ize handehan'gny renirano gny raha aby. 10Vo bokeo dra hisanga eo amoron'gny rano gny panzono 'i En-jedy, dra hisy toera fagnamaigna gny harato fanzonoa eo amoron'i En-eglaima. Hisy karaza hazandrano maro ao amin'gny Ranomasin'gny Sira, manahaky gny hamarony gny hazandrano ao amin'gny Ranomasim-be.11Fa reo hanohano vo reo heniheninigny Ranomasinigny sira dra sy ho voalio; hamokara sira iny.12Egny andafin'io renirano io amy sisiny, amy taliaviny ro, dra hisy karazan-kazo hirisy zay hamokasy sakafo. Gny ravin'ireo dra sy halazo dra gny tegnan'ireo dra sy hizano hitombo. Isam-bola ireo hazo ireo dra hamoa tegnany, satria gny rano laha tao amy fitoera masy dra mivavasy magnagny amin'ireo. Ho hany gny tegnan'ireo, dra gny ravin'ireo dra ho fagnasitrana.13Izao gny zakanigny topo Yaveh: Izay gny fomba hizaranao gny tany ho an'ireo foko ro ambinigny folon'Israely: Hanana azara ro i Josefa. 14Ho zaranao mitovy ze nanandratako gny tagnako vo nianianako fa hame reo razambenao ty tany tihoky dra ho avy lovanao.15Tiky gny ho sisintanin'gny tany agny amin'gny ilany andrefa manomboky amin'gny Ranomasim-be mandalo amin'gny lala Heltona, vo hatragny Zedada. 16Dra hitohy agny Berota gny sisn-tany, hatragny Sibraima, ze eo agnelagnelan'i Damaskosy vo Hamata, vo bokeo hatragny Hazara Hatikona, ze eo agnilan'gny sisin-tanin'i Haorana. 17Dra hitohy manomboky amin'gny ranomasy hatragny Hazar-enana agny amin'gny fari-tanin'i Damaskosy vo Hamata magnagny andrefa gny sisin-tany. Zeho gny ho sisiny andrefa.18Tamin'gny sisiny asainagna, teo agnelagnelan'i Haorana vo Damaskosy vo teo agnelagnelan'i Gileada vo gny tanin'Israely gny Reniranon'i Jordana. Sy mainsy refesiniha hatragny amin'gny sisiny raomaasy asinanga; zeho iaby zeho gny ho sisn-tany asinagna. 19Bokeo gny sisiny asinagna: gny asimon'i Tamara magnagny amin'ireo ranon'i Meriba Kadesy, gny lohasahan-driakin'i Egypta magnagny amin'gny Ranomasim-Be, vo gny ilany asimo magnatriky gny asimo. 20Vo gny sisin-tany andrefa gny ho Ranomasim-Be magnagny amin'ize mifanohisy amin'i Hamata. Zeho gny ho ilany andrefa.21Amin'izeho fomba zeho gny hizarandrareo tiky tany tiky ho andrareo, ho an'ireo fokon'Israely. 22Dra hizara reo lova ho an'gny vetandrareo handrareo dra ho an'ireo vahiny eo gnivondrareo, reo ze niteraky zanaky teo agnivondrareo vo reo, mindray amindrareo, manahaky gny olo tera-tanin'Israely. Hagnome lova maro eo amin'ireo fokon'Israely handrareo. 23Vo gny vahiny dra hindray amin'gny foko eo amin'ireo ze hitobohany. Sy mainsy magnome lova anazy handrareo--- zeho gny fagnambaran'gny Tompo Yaveh."
Chapter 48

1Tahoky aby gny agnaran'ireo foko. Hahazo anzara-tany raiky gny fokon'i Dana, gny fari-tanin'izeho dra hipak hatragny amin'gny sisin-tanin'Israely magnamoro gny lalan'i htlona vo Lebo Hamata. Gny sissin-tanin'izeho dra hitohy hatragny Hazar-enana dra magnaraky gny sisin-tanin'i Damaskosy magnasimo dra hatragny Hamata. Gny fari-tanin'i Dana dra manomboky boky agny asinagnan'gny lala aby magnagny andrefa amin'gny Ramomasy Lahibe. 2Mifagnila amin'gny fari-tanin'i Dana, hatragny amin'gny lafiny asinagna dra hatragny andrefa, gny ho anzara raiky ho an'i Asera. 3Mifagnila amin'gny fari-tanin'i Asera hatragny amin'gny lafiny asinagna dra hatragny anrefa, fny ho anzara raiky ho an'i Naftaly.4Mifagnila amin'gny fari-tanin'i Naftaly hatragny amin'gny lafiny asinagna dra hatragny andrefa, gny ho anzara raiky ho an'i Manase. 5Mifagnila amin'gny fari-tanin'i Manase hatragny amin'gny lafiny asinagna dra hatragny andrefa, gny ho anzara raiky ho an'i Efraima. 6Mifagnila amin'gny fari-tanin'i Efraima hatragny andrefa, gny ho anzara raiky ho an'i Robena. 7Mifagnila amin'gny fari-tanin'i Robena hatragny amin'gny ilany asinagna dra hatragny andrefa, gny ho anzara raiky ho an'i Joba.8Gny fagnolora gny tany ze hahiniha dra hagnaraky gny fari-tanin'i Joda vo hihitasy boaky agny amin'gny lafiny asinagna dra hatragny andrefa; ho dimy arivo sy ro aly hakiho gny sakany. Gny halavan'izeho dra mifandraiky amin'gny anzaran'gny foko raiky hatragny amin'gny afiny asinagna dra hatragny andrefa, bo ho eo agnivon'izeho gny tepoly. 9Zeho tany ze hatolosiko an'i Yaveh zeho dra ho dimy arivo sy ro aly hakiho gny halavany vo ray aly hakiho gny sakany.10Tahoky aby gny ho andrekisy gny anzara-tany masy: ireo pisor dra hana tany voatendry ho andreo mirefy dimy arivo sy ro aly hakiho gny halavan'gny lafiny avarasy; ray aly hakiho gny sakan'gny lafiny andrefa; ray aly hakiho gny sakan'gny lafiny asinagna; vo dimy arivo sy ro aly hakiho gny halavan'gny lafiny asimo, mindray amin'gny toera masin'i Yaveh eo agnivon'izeho. 11Zeho dra ho an'gny fanokana reo pisoron'gny taranak'i Zadoka, ze fa nanopo Anahy tamim-pahatokia, vo sy nandeha tamin'gny lalan-diso gny vahoakin'Israely, manahaky gny nahin'ireo Levita. 12Gny fagnatisy ho andreo dra ho anzara boaky amin'itiky tany masy indrindra tiky, mihitasy hatragny gny faritanin'ireo Levita.13Gny tanin'ireo magnamoro gny fari-tany mindray amin'gny tanin'gny pisoro dra dimy arivo vo ro aly hakiho gny halavany vo ray aly hakiho gny sakany. Gny halavan' gny velaran-tany manotolo ro dra ho dimy arivo sy ro aly gny halavany vo ro aly hakiho hakiho gny sakany. 14Sy mahazo mivarosy na manakalo anizeho ereo; sy misy azo sarahy amin'ireo velaran-taniny reo voloham-bokasy gny tanin'Israely, fa masy ho an'i Yaveh zeho iaby zeho.15Gny tany sisa tavela, dimy arivo hakiho gny sakany vo dimy arivo vo ro aly hakiho gny halavany, dra hiaraha-mapiasa ho an'gny tana, gny tragno, vo reo fihinanam-bilo; ho eo gnivon'izeho gny tana.16 Tahoky aby gny ho refin'gny tana: 4.500 hakiho gny halavan'gny lafiny avarasy; 4.500 hakiho gny halavan'gny lafiny asimo; 4.500 hakiho gny halavan'gny lafiny asinanga; vo 4.500 hakiho gny halavan'gny lafiny andrefa.17Dra hisy haly magnavarasy ho an'gny tana, 250 hakiho gny halalikiny; eo amin'gny asimo, 250 gny halalikiny; eo amin'gny asinagna, 250 hakiho gny halalikiny, vo eo amin'gny andrefa, 250 hakiho gny halalikiny.18 Vo gny farisy ambin'gny fagnatisy masy dra hahatratry raiky alina hakiho miasinagna dra ray aly hakiho miakandrefa. Hihitasy magnaraky gny faritanin'gny fagnatisy masy zeho sady ho sakafon'ireo ze miasa ao an-tana gny vokatr'izeho.19Gny vahoaky ze miasa ao an-tana, gny vahoakin'gny foko abin'Israely, gny hiasa zeho tany zeho. 20Gny zara-tany aby dra mirefy dimy arivo sy ro aly hakiho tora-dro. Amin'izeho fomba zeho gny hanaovandrareo gny tany fagnatisy masy tany, maindray amin'gny tana.21Gny ambin'gny tany eo amin'gny andaniny vo gny ankilan'gny fagnatisy masy vo gny farisy gny tana dra ho an'gny andrian-dahy. Gny velaran-tanin'gny andrian-dahy agny asinagna dra hahatrasy dimy arivo sy ro aly hakiho manomboky eo amin'gny fari-tanin'gny fagnatisy masy dra hatragny amin'gny sisi-tany asinagna--- vo gny velaran'gny agny asinagna dra hahatrasy dimy arivo sy ro aly hakiho hatragny amin'gny sisi-tany andrefa. Ho eo agnelagnelany gny fagnatisy masy, vo gny toera masin'gny tepoly dra ho eo agnivon'izeho. 22Gny tany mihitasy boaky eo amin'gny fanagnan'ireo Levita vo gny farisy gny tana eo agnivo dra ho an'gny andriandahy; ho eo agnelagnelan'gny sisin-tanin'i Joda vo gny sisin-tanin'i Benjamina zeho--- iho tany iho dra ho an'gny andriandahy.23 gny amin'ireo foko ambiny, gny anzaran'ereo avo koa dra ho avy agny asinagna dra hatragny andrefa. Hahazo anzara raiky i Benjamina. 24Mifagnila amin'gny fari-tanin'i Benjamina hatragny asinagna dra hatragny andrefa, gny ho anzara raiky ho an'i Simeona. 25Mifagnila amin'gny fair-tanin'i Simeona hatragny amin'gny ilany ainagna dra hatragny andrefa, dra hahazo anzara raiky i Isakara. 26Mifagnila amin'gny fari-tanin'Isakara hatragny amin'gny lafiny asinagna dra hatragny andrefa, dra hahazo anzara raiky i Zebolona.27Agny asimon'gny fari-tanin'i Zebolona, hatragny andrefa vo hatragny asinagna, dra ho tanin'i Gada--- anzara-tany raiky. 28Gny fari-tany asimon'i Gada dra hihitasy manomboky agny Tamara dra hatragny amin'ireo ranon'i Meriba-kadesa, dra avy hatragny amin'gny lohasahan-driakon'i Egypta, vo hatragny amin'gny Ranomasy Lahibe. 29Zeho gny tany ze hilokandrareo; ho lovan'gny fokon'Israely zeho. Reho dra ho anzaran'ereo. Zeho gny fagnambaran'gny Tompo Yaveh.30Tahoky gny ho fiboaha boaky ao an-tana: amin'gny lafiny avarasy, zay hirefy 4.500 hakoho gny halavany, 31dra hisy vavahady telo, nitokavy boaky tamin'ireo fokon'Israely: vavahady raiky ho an'i Robena, vavahady ho an'i Joda, vo vavahady raiky ho an'i Levy. 32Eo amin'gny lafiny asinagna, zay hirefy 4.500 hakiho gny halavany, dra hisy vavahady telo: vavahady raiky ho an'i Josefa, vavahady raiky ho an'i Benjamina, vo vavahady raiky ho an'i Dana.33Amin'gny lafiny asinagna, ze hirefy 4.500 hakiho gny halavany, dra hisy vavahady telo: vavahady raiky ho an'i Simeona, vavahady raiky ho an'Isakara, vo vavahady raiky ho an'i Zebolona.34 Eo amin'gny lafiny andrefa, ze hirefy 4.500 hakiho, dra hisy vavahady telo: vavahady raiky ho an'i Gada, vavahady raiky ho an'i asera, vo vavahady raiky ho an'i Naftaly. 35Valo arivo sy ray aly hakiho gny refy magnodidy gny tana; manomboky amin'iho andro iho, dra ho tokavy ho " Yaveh Gny Ao" gny agnaran'gny tana.

Daniel

Chapter 1

1Tamigny tao fahatelo nazakan'i Joiakima pazakanigny Joda, Nebokadnezara pazakan'i Babylona avy tao Jerosalema dra nagnodidy gny tana ba hanapaky gny famasia aby ho an'izay. 2Gny topo nagnome fandresena an'i Nebokadnezara teo amin'i Joaikima pazakanigny Joda, dra izy nagnome anazy tamireo raha masy boak'ao amigny tragnon'Agnahary. Ninday reo ho agny amigny tanin'i Babylona izy, ho agny atragnon'Agnahary, dra napetrany tao amigny fitoeran-drakisy gny zagnahariny reo raha masy.3Dra nizaka tamin'i Aspenaza, gny lahibenigny manapahefany, gny pazaka ba hinday gny ilany amireo zanak'Israely, amigny fianakavian'Agnahary vo gny agnomby firazagna__4tovolahy sy misy kilema, manito amigny endriky ivelany, mahay amigny fahendrena aby, feno fahalala vo fahazava-say, dra voafaty ba hanopo ao amigny lapanigny pazaka. Izy dra hapianasy anereo gny literatioraBabyloniana vo gny fizakany. 5Nagnisanigny pazaka azara isan'andro manoka amireo haniny vo ilany amireo divay ninomany ereo. Reo zatovo lahy reo dra napihofagny nandrisy gny telo tao, dra afaran'izay, dra hanopo gny pazaka ereo.6Agnisan'ireo i Daniela, Hanania, Misaela dra Azaria, ze ilany amireo olonigny Joda. 7Namenigny lahibe manapahefa agnaran'ereo: Daniela tonokany ho Beltesazara, Hanania tokavy ho Sadraka, Misaela tonoka ho Mesaka, dra Azaria tonoka ho Abednedo.8Fa Daniela nihevisy tao asainy fa sy hagnoro gny vatany amin'ireo hanoraky gny Pazaka vo gny divay ze ninominy. Koa nangalaky alala tamy lahibeby manam-pahefafana ozy ba sy hagnoro gny vatany . 9Dra nomen'Agnahary sitraky vo fahangoraham-po Daniela tamy fagnaza lahibe manampahefa anazy.10Nizaka tamin'i Daniela gny lahibe manampahefa ho:''Matahosy gny Pazaka tompoko zaho.Izy gny nandidy gny sakafo vo raha-finomindrareo. Nanao akory izy gny tokony hahita faharasia egny aminao mihoasy reo tovolahy hafa ze mitovy tao aminao?Mety hotapahiny Pazaka noho ianao gny lohako.''11Laha teo Daniela niresaky tamy mpitandrin-draharaha ze nitendreny manampahefa lahibe ho an'i Daniela, Hananio, Misaela dra Azaria. 12Hoy izy:''Hagnatio toera se zahay mpanomponao mandrisy gny folo andro. Omeo legimy hoaniny vo rano ho nomy avo zahay.13Dra ampitahao amy endriky ambalik'ereo tovolahy ze mihina gny hanoraky gny Pazaka gny poziny ambalikiny , dra atovy aminay, mpanomponao, araky ze hitanao.''14Koa dra niombon-kevisy taminazy hanao anizay gny mpitandrin-draharaha, ka nagnety toera anazy reo nandrisy gny folo andro izy.15Tamy farany hafoloa gny poziny ambalik'ereo dra avy salama , dra voafaha soa mihoasy noho reo tovolahy ze nihina tamy hanim-piny Pazaka. 16Ka dra nalany mpitandrin-draharaha reo hanoraky vo reo divan'ereo dra legimy avo gny nomeny ananzy reo.17Raha gny amin'ireo tovolahy efasy reo, nomen'Agnahary anazy reo gny fahalala vo fahalali-say amy literatiora vo gny fahendre, dra afaky mahatakasy reo karaza fahita vo nofy aby i Daniela. 18Tamy fiafarany fotoa zay napetraky gny Pazaka hinday anazy reo , dra ninday19Nizaka tamin'ereo gny pazaka, dra sy nisy manahaky an'i Daniela, Hanania, Misaela dra Azaria tao amigny vondro raiky dra Azaria tao amigny vondro raiky manotolo. Nisanga nanoloa gny pazaka ereo, vonona gny hanopo anazy. 20Tamy fagnontania aby mahakasiky gny fahendre vo gny fahazava-say ze napetraky gny Pazaka anazy reo, dra voavalin'ereo soa abo folo heny koa mihoasy gny an'ireo ambiasa vo reo ze mizaka ho miresaky amy maty, zay tagny amy fazakany aby zay.21Tany rava i Daniela hatramy tao volohany nazakany Pazaka Kirosy.
Chapter 2

1Tamy tao faharo nazakan'i Nebokadnezara, dra nagnofy izy. Nihorohoro gny sainy, dra sy afa-nandry izy. 2Dra nampitoka reo ambiasa vo reo ze nizaka ho miresaky amy maty gny Pazaka . Nitoka reo mpanao oly vo reo olon-kendry avo koa izy. Nagniry anazy reo hizaka anazy gny momba gny nofiny izy. Koa nilisy ereo dra nisanga teo anolohany Pazaka.3Hoy gny Pazaka tamin'ereo ho:''Nagnofy zaho, dra gny saiko dra mitebiteby gny hahafatara gny dikany gny nofy.''4Laha teo dra niresaky tamy Pazaka tamy tegny Aramiana reo olon-kendry:''Ry Pazaka , ho velo mandrakizay! Zakao aminay mpanomponao gny nofy, dra zahay hagnambara gny dikany.''5Namaly an'ereo olon-kendry gny Pazaka ho:''Fa nilamy zay raharaha zay.Raha sy sinizakandrareo vo hazavandrareo anahy gny nofy, dra ho torotoro gny vatandrareo dra reo tragnondrareo hatao korotam-pako.6Fa raha zakandrareo anahy gny nofy vo dikany , dra hahazo fagnomeza laha taminahy iandrareo, valisoa raiky, dra voninahisy lahibe. JKoa zakao anahy gny nofy vo gny dikany.''7Dra namaly draiky izy ho:''Ao gny Pazaka hizaka aminay mpanompony, gny nofy dra hozakany anao gny dikany.''8Namaly gny mpazaka ho:''Fataro soa fa te hahazo fotoa mihoasy iandrareo satria hitandrareo fa tena fatrasy gny fanapaha-kevisiko momba zay. 9Fa raha sy zakandrareo aminahy gny nofy, dra raiky avo gny zakako ho andrareo. Nanapa-kevisy gny hagnoma zaka diso vo fitaky ze nifagnekendrareo ho zaka aminahy handrareo mandra-piova gny haviso. Ko zakao aminahy dra nofy, dra ho fatako fa afaky mandika anizay aminahy handrareo.10Namaly reo olo-kendry gny pazaka ho: "Sy misy olo eto atany afaky hagnatateraky gny fangatahanigny pazaka. Sy misy pazaka lahibe vo mahery bo nangataky raha manahaky anizay aby amigny ambiasa, na avy amin'iza na amin'iza amigny olo-kendry. 11Sarosy gny raha angatahinigny pazaka, dra sy misy na iza na iza afaky mizaka anizay amigny pazaka afa-sy reo zagnahary, dra sy miay eo amigny olombelo ereo.12Napasiaky vo tena nahaory gny pazaka zay, dra nagnome baiko handringa reo raha agny Babylona ze fatasy tamigny fahendreny izy. 13Ko niboaky gny lalana fa reo aby ze fatasy tamigny fahendren'ereo dra hovono. Noho io lala io, dra nitaly an'i Daniela vo reo namany ereo ba hahafaha mamono anereo.14Dra i Daniela namaly am-pahamalia vo am-pisaigna an'i Arioka mpifehy gny mpiamby gny Pazaka , zay avy hamono reo aby tao Babylona ze fatasy tamy fahendren'ereo. 15Nagnontany gny mpifehiny Pazaka i Daniela ho:''Manao gny dra manahaky anizay gny lalany Pazaka?''Dra nizakan'i Arioka tamin'i Daniela zay niseho.16Laha teo Daniela nilisy dra nangataky gny hifakahita tamy Pazaka ba hahafahany manao gny fandika ho agny Pazaka.17Laha teo dra nagnany antragnony dra nagnazava ze niseho tamin'i Hanania, Misaela, vo Azaria i Daniela.18Nampirisiky anazy reo hitalia famindram-po laha tamy Zagnahary gny lagnisy izy mahakasiky io raha-mivony io ba sy hamonoa anazy vo anereo miaraky amin'ireo olo tavela tao Babylona ze fatasy amy fahendren'ereo.19Tamin'io hariva io dra nambara tamin'i Daniela tagnatiny fahita gny raha-mivony . Dra nidera agny Zagnahary gny lagnisy i Daniela 20dra nizaka ho:''Midera gny agnaran'Agnahary mandrakizay doria;fa anazy gny fahendre vo gny6 hery.21Manova gny fotoa gny vanim-potoa Izy; mangalaky vo mametraky gny Pazaka eo amin'ireo seza fiandrianany Izy.Magnome fahendre ho agny hendry Izy dra fahalala ho an'ereo ze mana fahazava-say .22Mampiseho gny laliky vo reo raha-mivony Izy satria hainy gny ao agnatiny fahamezigna, dra gny hazava miay ao aminazy.23Ry Zagnahary gny Razambeko, misaosy anao zaho dra midera anao noho gny fahendre ze nomenao anahy. Fa nampahafatarinao anahy amizao ze nangatahanay taminao; nampahatarinao anay gny raha mampitebiteby gny Pazaka.''24Boak'eo dra nilisy i Daniela hagnety an'i Arioka (gny nitendrenigny pazaka hamono gny olo hendry aby tagny Babylona). Nandeha izy dra nizaka taminazy ho: "Ka mamono gny olo-kendry agny Babylona. Andeso agny amigny pazaka zaho dra haseho gny pazaka gny dikanigny nofiny."25Dra nandesin'i Arioko teo agnatrehanigny pazaka i Daniela dra nizaka ho: "Nahita lelahy raiky teo amireo olon'i Joda natao sesitany ze hagnambara gny dikanigny nofinigny pazaka zaho." 26Hoy gny pazaka tamin'i Daniela (ze atao ho Beltesazara): "Moa ra hanao afaky gny hizaka aminahy gny nofy ze hitako vo gny heviny?"27Daniela namaly gny pazaka dra nanao anizahoky ho: "Gny raha miafy ze nagnotanianigny pazaka dra sy azon'ireo ze mana fanendrena aseho, na reo ze milaza fa mizaka amigny maty, na amigny alalan'ireo ambiasa, dra sy amigny amigny alalan'ireo panondro. 28Na dre zay aza, misy zagnahary ze mony agny an-dagnisy, ze magnambara gny raha miay, dra fa napahafatariny anao, ry Nebokadnera pazaka, ze hitranga amigny andro ho aby. Tahoky gny nofinao vo reo fahitanigny sainao raha nandry teo amigny fandrianao hanao.29Raha gny aminao, ry pazaka, gny fisaignanao eo am-pandrianao dra momba reo raha ho avy, dra ze magnambara reo raha mivony dra fa napahafatasy anao ze hiseho. 30Raha gny aminahy, zay raha mivony zay dra sy nitalily taminahy nohonigny fahendrena ze hanagnako bebe kokoa mihoasy gny olombelo hafa. Nambara taminahy zay raha mivony zay ba hahatakaranao gny dikany, ry pazaka, dra ba hahafahanao mahafatasy reo eriserisy laliky ao agnatinao.31Ry pazaka, nitraka hanao dra nahita sarivonga lahibe. Io sarivonga io, ze mahery vatany vo mamirapirasy, dra nizoro teo agnatrehanao. Mapihorohoro gny famirapiratany. 32Gny lohanigny sarivonga dra natao tamigny volamena soa faratapony. Gny tratrany vo gny sandriny dra vita tamigny volafosy. Gny agnevony vo gny feny dra vita tamigny varahy, dra gny randron'izay dra natao tamigny vy. 33Gny tombok'izay dra vita tamigny vy gny apahany dra tanimanga gny apahany.34Nitraka hanao, dra nisy vato tapaky raiky, na dre sy tamigny alalanigny tagnanigny olo aza, dra namely gny sarivonga teo amigny tombony vy vo tanimanga zay, dra nandrava anereo. 35Boak'eo gny vy, gny tanimanga, gny varahy, gny volafosy dra gny volamena dra potipotiky dra lasa manahaky gny lilam-bary eo amigny fagnahafa amigny fahavarasy. Nisofinigny sioky reo dra sy nisy soris'ereo tavela. Fa gny vato ze namaly gny sarivonga dra lasa tendrombohisy lahibe dra nameno gny tany aby.36Izay gny nofinao, Dra handeha hizaka gny heviny amigny pazaka zahay amizao. 37Hanao, ry pazaka, gny pazakan'ireo pazaka ze namen'Agnahary gny lagnisy gny fazaka, gny fahefa, gny hery, dra gny voninahisy. 38Fanataony teo am-pelatagnanao gny toera honegnanigny olombelo. DRa fa nameny teo am-pelatagnanao reo bibinigny saka vo gny voronigny lagnisy, dra fa nanao anao ho panapaky eo amireo aby reo Izy. Hanao gny lohanigny sarivonga volamena.39Afara ao, dra hisy fazaka hafa hisanga ze ambany noho hanao, kanefa gny fazaka varahy fahatelo dra hanapaky eo amigny tany aby.40Dra hisy fazaka fahaefasy, fatrasy manahaky gny vy, akory gny vy mamaky reo raha aby hafa vo manorotoro gny raha aby. Manorotoro reo raha aby reo zay dra mamotiky anereo.41Araky gny hitanao, gny tomboky vo reo rasany dra vita tamigny tanimanga nahandro vo vy gny apahany, ko dra ho fazaka voazara zay; gny ilany amigny herinigny vy dra ho ao amizay, araky gny fa nahitanao gny vy nafangaro tamigny tanimanga malefaky. 42Akory reo rasa-tombony dra natao tamigny vy gny apahany dra tanimanga gny apahany, dra ho fatrasy gny fazaka amigny apahany dra malemy amigny apahany. 43Manahaky gny nahitanao gny vy nafangaro tamigny tanimanga malefaky, dra hifangaro reo olo; sy hiara-hizano ereo, manahaky gny vy sy mifangaro amigny tanimanga.44Amigny andron'ireo pazaka reo, dra hametraky gny fazaka ze sy ho voarava mihisy, na ho babonigny olo-kafa gny Zagnahary gny lagnisy. Handravarava reo fazaka hafa izay vo hapisahasy anereo aby, vo dra hitoetra mandrakizay zay. 45Araky gny fa hitanao, nisy vatolapy raiky nanapaky tandrombohisy, fa sy ba tamigny tagnan'olombelo. Nanapatapaky gny vy, varahy, tanimanga, volafosy, dra volamena zay. Fa napahafatarinigny Zagnahary lahibe anao, ry pazaka, ze hiseho afaran'izay. Mary gny nofy dra azo atoky ty fandika tihoky."46Napekohoky gny tavany teo agnatrehan'i Daniela i Nebokadnezara dra nagnaza anazy; nandidy gny hanova fagnatisy raiky izy dra liti-kazo magnisy hatolosy ho anazy. 47Hoy gny pazaka tamin'i Daniela ho: "Tena gny Zagnaharinao gny Zagnaharin'ireo zagnahary, gny topon'ireo pazaka, dra gny magnambara gny raha mivony, akory afaky magnambara anizay raha mivony zay hanao."48Boak'eo nataonigny pazaka gny haza ambony i Daniela dra nameny fagnomeza mahafinarisy. Nanao anazy ho pazaka teo amigny reo firitaninigny Babylona aby izy. Lasa lahibenigny governora teo amireo olon-kendry faratapony an'i Babylona i Daniela. 49Nanao fangataha raiky tamigny pazaka i Daniela, dra nitendrenigny pazaka i Daniela, Mesaka, dra Abednego ba ho pandrindra eo amireo faritanin'i Babylona. Fa Daniela koa nitoby tao amigny lapanigny pazaka.
Chapter 3

1Namboasy sarivonga volamena i Nebokadnezara pazaka ze enipolo hakiho gny halavany dra enina hakiho gny sakany. Napetrany tao amigny Lemak'i Dora ao amigny faritanin'i Babylona zay. 2Dra nandefa hafasy i Nebokadnezara ba hapivory miaraky reo governora-paritany, reo governora-parisy, dra reo governora teo atoera, mbamireo panolo-say, reo pitam-bola, reo pisara, reo pahay lalana, reo manam-boninahisy gny faritany agnabo aby ba ho avy amigny fitokana vo Sarivonga ze fa nasangany.3Dra nindray nivory reo governora-paritany, reo governora-parisy, vo reo governora teo atoera, niaraky tamireo panolo-say, reo pitam-bola, reo pisara, reo pahay lalana, reo manam-boninahisy gny faritany agnabo aby ba ho avy amigny fitokana gny sarivonga ze fa nasangan'i Nebokadnezara. Nizoro teo anoloan'izay ereo. 4Dra nisy pikabaro nihiaky fatrasy ho: "Didy handrareo, ry vahoaky, ry firenena, vo reo fizaka samihafa, 5fa amigny fotoa haharezadrareo gny feonigny azomara, sodina, sitara, lokanga, harpa vo farara, vo gny karazan-draha-magneno aby, dra sy maisy miondriky dra mekohoky eo amigny sarivonga volamena ze fa nasangan'i Nebakadnezara pazaka handrareo.6Na iza na iza sy miondriky dra manopo, amizay fotoa zay mihisy, dra haria ao agnaty laforo midedadeda." 7Ko gny fa nahare gny feonigny azomara, sodina, sitara, lokanga, harpa vo farara, vo gny karazan-draha-magneno aby gny vahoaky manotolo, reo firenena, vo fizaka dra niondriky dra nekohoky teo amigny sarivonga volamena ze fa nasangan'i Nebokadnezara pazaka.8Dra tamin'io fotoa io dra nisy Kaldeana avy dra ninday fiapanga hanohisy reo Jiosy. 9Hoy ereo tamin'i Nebokadnezara pazaka: "Ry pazaka! Ho velo mandrakizay anie hanao! 10Hanao, ry pazaka, dra fa nanao lalana fa gny olo aby ze mahare gny feonigny azomara, sodina, sitara, lokanga, harpa vo farara, vo gny karazan-draha-magneno aby, dra sy maisy miondriky dra mekohoky eo amigny sarivonga volamena.11Na iza na iza sy miondriky vo manopo dra sy maisy aria ao agnaty laforo midedadeda. 12Dra misy reo Jiosy ze nisitihinao amireo raharaha-paritanin'i Babylona; gny agnaran'ereo dra Sadraka, Mesaka, dra Abednego. Reo lelahy reo, ry pazaka, dra sy niteno anao. Sy hivavaky na hanopo reo zagnaharinao ereo, na hiakohoky eo anoloanigny sarivonga volamena ze fa nasanganao.13Dra Nebokadnezara, feno fahasiaha vo fahoria, dra nandidy gny hinday an'i Sadraka, Mesaka, dra Abednego ho eo aminazy. Ko nandesin'ereo teo anoloanigny pazaka reo lelahy reo. 14Hoy Nebokadnezara tamin'ereo: "Fa nandefa fisaignandrareo ra handrareo ry Sadraka, Mesaka, dra Abednego, fa sy hanopo reo zagnahariko dra hiakohoky eo anolonigny sarivonga volamena ze fa nasangako?15Dra raha vonona handrareo__gny fa mahare gny feonigny azomara, sodina, sitara, lokanga, harpa vo farara, vo gny karazan-draha-magneno aby__gny hiondriky dra hiakohoky eo amigny sarivonga ze fa namboariko, dra hilamy gny raha aby. Fa raha sy manopo handrareo, dra haria avy hatragny ao agnaty lafory midedadeda. Iza gny zagnahary afaky mamozy andrareo eo atagnako?"16Namaly gny pazaka i Sadraka, Mesaka, dra Abednego ho: "Ry Nebokadnezara, sy mila mamaly anao amizay raharaha zay izahay aby. 17Raha misy valiny, dra gny zagnaharinay ze toponay gny afaky miaro anay amigny laforo midedadeda, dra hamozy anay sy ho eo atagnanao izy, ry pazaka. 18Fa na sy izay aza, dra aoky ho fatasao, ry pazaka, fa sy hanopo reo zagnaharinao izahay, dra sy hekohoky amigny sarivonga volamena ze fa nasanganao."19Dra feno fahatezera i Nebokadnezara; niova tamin'i Sadraka, dra Abednega gny neniny. Nididiny fa tokony hafana ipito ma tokoa gny hafanany nmahazasy gny laforo. 20Dra nandidy lelahy matazaky maro tao amigny tafiny izy ba hamatasy an'i Sadraka, Mesaka, dra Abednego dra hagnary anereo ao agnaty lafory midedadeda.21Nifahe bo tamin-piakazo reo akazolavany, reo kapotiny, reo sotrony,vo fitafia hafa izy reo, dra natorany tao agnaty laforo midedadeda. 22Satria hetriny gny fagnaraha gny baikon'ny pazaka dra nahama be gny laforo, dra namono reo lelahy zay napiakasy an'i Sadraka, Mesaka, dra Abednego gny lelanafo. 23Reo lelahy telo reo, zay Sadraka, Mesaka, dra Abednega, dra nilavo tao agnatin'ny laforo midedadeda izy reo sady nifehy.24Dra gaga Nebokadnezara pazaka dra nisanga manalaky. Nagnotany reo pagnomesay izy ho: ''Moa se sy natoraky nifehy tao agnaty afo izy telolahy?'' Dra namaly gny pazaka izy reo ho: '' Evatany, ry pazaka.'' 25Hoy izy: ''Nefa zaho mahita lelahy efasy sy mifehy mandehandeha ao agnty afo, dra sy magnino izy reo. Gny fazelasiny gny fahaefasy dra manahaky gny zanak'ireo Zagnahary.'''26Dra nagnato gny vatrangaranigny lafory midebadeda i Nebokadnezara dra nitoka fatrasy ho: "Ry Sadraka, Mesaka, dra Abednego, panopon'Agnahary Avo Indrindra, miboaha! Mandehana atiky!" Dra niboaky boak'ao amigny afo i Sadraka, Mesaka, dra Abednego. 27Reo governora-paritany, reo governora-parisy, reo governora hafa, dra reo panolo-sainigny pazaka ze niara-nivory dra nahita reo lelahy reo. Sy napagnino gny vatan'ereo gny afo; sy ma gny volon-dohan'ereo; sy sola gny akazon'ereo; dra sy nisy fofon'afo taminazy.28Hoy Nebokadnezara: "Handeha isika hidera gny Zagnaharin'i Sadraka, Mesaka, dra Abednego, ze nandefa gny babany dra nagnome anizao hafany izao ho an'ireo panopony. Natoky anazy izy reo raha nanda gny baikoko, dra nahafo gny vatany ereo toy zay hanopo vo hekohoky amize zagnahary afa-sy gny zagnaharin'ereo.29Ko manao lalana zaho fa ze vahoaky, firenena, na fizaka ze mizaka raha hanohisy gny Zagnaharin'i Sadraka, Mesaka, vo Abednego dra sy maisy rava, dra gny tragnon'ereo dra sy maisy atao ho fako mivangongo akory sy misy zagnahary hafa magnavosy manahaky anizao." 30Dra napisondrosy an'i Sadraka, Mesaka, dra i Abednego tao amigny faritanin'i Babylona gny pazaka.
Chapter 4

1Nandefa izao didy izao ho an'ireo vahoaky, reo firenena, dra reo fizaka aby ze nony tetiky agnabonigny tany i Nebokadnezara pazaka ho: "Hapitombo amindrareo anie gny fedagna. 2Tao soa aminahy gny mizaka amindrareo reo famata vo raha-mahagaga ze nataonigny Avo indrindra taminahy. 3Lahibe loasy reo famatarany, dra mahery loasy reo raha-mahagaga! Fazaka sy mana-pahataperany gny fazakany, dra maharisy hatramigny taranaky fara mandimby gny fanapahany.4Izaho, Nebokadnezara, dra nony tami-kafalia tao atragnoko, dra nakafy fahombiaza zaho tao amigny lapako. 5Saiky napatahosy anahy gny nofiko raiky. Raha nandry igny zaho, dra napikorota zaho reo kisarisary vo reo fahita ze tato asaiko. 6Ko dra nagnome didy zaho gny hindesa teo aminahy reo lelahin'i Babylona aby ze nana-pahendrena raha afaky gny handika gny nofy ho anahy ereo.7Dra avy reo ambiasa, reo ze mizaka fa mizaka amigny maty, reo olon-kendry, dra reo panandro. Nagnambara gny nofiko tamin'ereo zaho, fa sy afaky gny handika anizay aminahy ereo. 8Nefa nilisy i Daniela nony farany_gny raiky ze tonoka ho Beltesazara araky gny agnaran'Agnahariko, misy fagnahin'ireo zagnahary hoa ao agnatiny_dra nizaka taminazy gny nofiko zaho. 9"Ry Beltesazara, ambiasa, fataso fa ao aminao gny fagnahin'ireo zagnahary masy dra sy misy raha mivony ze sarosy aminao avo koa. Zakao aminahy ze hitako tao agnaty nofiko dra hanao gny dikan'izay.10Tahoky aby reo fahita ze hitako tao asaiko raha nandry tao apandriako zaho: nandiniky zaho, dra nisy hazo raiky teo agnevonigny tany, dra lahibe vatany gny haabon'izay. 11Nihanitombo gny hazo dra lasa hendry. Nagnaniky gny lagnisy gny tendrony, dra afaky mahita anizay hatragny amireo vaza tany manotolo. 12Soa tarehy gny raviny, marobe aok'izay gny voany, dra nisy sakafo ho anigny teo agnabony aby. Nahita felofa tao ambaniny gny bibidia, dra gny vorony habakabaky nony teo amireo rasany. Voafaha aby tamizay avokoa reo raha-manan'ay aby.13Nahita tao asaiko zaho tamin'izaho nandry teo apandriako, dra nisy iraky masy raiky nizoso boak'egny amigny habakabaky. 14Nihiaky fatrasy izy dra nanao anizahoky ho: 'Tapaho gny hazo dra tapaho reo rasany, alao reo raviny, dra aparitaho gny tegnany. Aoky reo biby hienga boak'eo ambanin'izay dra reo voro hitily lavis'ireo rasany.15Angao gny fotosy gny fakany ho ao agnaty tany, faheo amigny fehim-by vo varahy, eo agnevonigny ahisy gny saka. Aoky zay ho kosanigny andronigny habakabaky Aoky zay hivelo miaraky amireo biby eo amireo vonikazo egny amigny tany. 16Aoky gny fisaignany hiova fisaignan'olo, dra aoky gny fisaignam-biby gny hagnome anazy hatramigny fahalasanigny foto tao.17Izay fanapaha-kevisy zay dra boak'amigny didy nitaterinigny raiky. Izay fanapaha-kevisy zay gny nataon'ireo masy ba ahafahan'ireo velo mahafatasy fa manapaky manera reo fazakanigny vahoaky gny Avo indrindra dra magnome anereo ho anigny olo ze tiany hapetraky eo amin'ereo, na dre gny lelahy faran'izay manetry tena aza.' 18Izaho, Nebokadnezara, gny nana anizay nofy zay. Amizao hanao, ry Beltesazara, zakao anahy gny dikany, akory sy misy amireo lelahy hendrinigny fazakako afaky manao anizay, akory ao aminao gny fagnahin'ireo zagnahary masy."19Dra Daniela, ze tonoka avo koa ho Beltesazara, dra tohina fatrasy nandrisy gny fotoa visy, dra nanaisy anazy gny fisaignany. Dra hoy gny pazaka ho: "Ry Beltesazara, ka anga hanaisy anao akory gny nofy na gny dikan'izay." Namaly Beltesazara ho: "Ry topoko, aoky gny nofy; ho an'ireo fahavalonao anie gny dikan'izay.20Gny hazo ze hitanao__ze nitombo dra avy nahery, vo izay nipaky tany andagnisy gny tedrony, dra azo atia tany amigny ereo faran'ny tany aby__21Ze soa tarehy tokoa ereo raviny, vogny maro dra maro tokoa gny voany, dra hisiany sakofo ho an'ny amby ao amign'izay, vo ao ambaniny gny ahi- tan'ereo bibiny saha fialohany, vo none- nan'ereo voron'ny hadakadakany tao amigny __22Izany hazo izany dra hanao, dra pazaka, hanao izay nitombo ho tena mahery. Nihanitombo gny fahaleibeazana dra nagnapasy gny legnisy va gny fanampahanao nipaka tany amin'ereo faran'ny tany.23Hanao, ry pazaka, gny nahita gny iraky masy nizoso boak'agny andagnisy dra nizaka ho: "Tapaho gny hazo dra poteho zay, nefa angao gny fakan'izay ho ao amigny tany, fataro amigny fehim-by vo varahy, eo agnevonigny ahisy maleminigny saka. Angao ho kosanigny ando boak'agny andagnisy zay. Aoky zay hivelo hiaraky amireo bibidia egny amireo saka mandra-paha lasanigny fito tao.'24Izay gny dikany, ry pazaka. Izay gny didinigny Avo indrindra ze nipaky taminao, ry topoko pazaka. 25Hala amigny olo hanao, dra hitoby miaraky amireo bibidia agny amireo saka. Hapihinana ahisy manahaky gny andagnisy, dra fito tao gny handalo mandra-piakinao fa gny Avo indrindra gny manapaky eo amireo fazakan'olo dra Izy gny magnome anereo ho amigny olo ze iriny.26Araky gny nandidia gny hamela gny fakanigny hazo, dra amizay fomba zay gny hagneregna gny fazakanao ho aminao amigny fotoa hahalalanao fa mazaka gny lagnisy. 27Noho izay, ry pazakany, aoky gny torohevisy ho azo ekena aminao. Azanogny gny fahota dra manova ze mary. Mivilia amireo helokao amigny fanehoa famindra-po amireo napahoria, dra izay ba ho afaky hihitasy gny fahombiazanao."28-29Nitranga tamigny pazaka Nebokadnezara reo raha aby reo. Ro ambiny folo volohany tafara atiky dra nandeha teo amigny tafonigny lapanigny pazaka tagny Babylona izy, 30dra hoy izy ho: "Sy tihoky ra gny Babylona lahibe, ze nasangako ho anigny toera-ponegna-pazakako, ho amigny voninahisy gny fahalahibeazako?"31Raha bo teo am-bavanigny pazaka reo zaka, dra nisy feo boak'agny an-dagnisy ho: "Ry Nebokadnezera pazaka, nagnambara taminao fa nala taminao izao fazaka zao. 32Ho roahy sy ho eo amigny vahoaky hanao, dra gny toeram-ponegnanao dra hiaraky amireo bibidia egny amireo saka. Hapihinana ahisy manahaky gny agnomby hanao. Fito tao gny handalo mandra-pahavinao hiaiky fa gny Avo indrindra gny manapaky eran'ireo fazakanigny olo dra Izy gny magnome anereo ho anigny olo iriny."33Izay didy nanohisy an'i Nebokadnezera zay dra nitaterahy sy nisy atak'andro. Niroahy sy ho eo amigny vahoaky izy. Nihina ahisy manahaky gny agnomby izy, dra kosany andonigny lagnisy gny vatany. Nihalava manahaky gny volonigny babany voromahery gny volony, dra avy manahaky gny anigny voro reo vazakohony.34Tamigny fiafaranigny andro, izaho, Nebokadnezara, nanandrasy gny masoko agny gny hamolaky. "Midera gny Avo indrindra zaho, dra magnome voninahisy anigny raiky ze mitoby mandrakizay zaho. Fa sy mana-pahatapera gny fanapahany, dra maharisy hatramigny taranaky fara-mandimby gny fazakany.35Sinosino taminazy gny poninigny tany aby; manao ze mety amigny sitrapony amigny tafiky gny lagnisy vo gny poninigny tany Izy. Sy misy afaky hapizano Anazy na hifanina aminazy. Sy misy afaky gny hizaka anazy ho: 'Nagnino gny nanao anizao hanao?"'36Tamin'io fotoa niharegnan'ny adalako taminahy io avo, dra nihery taminahy gny voninahiso vo gny fahalahibeko ho an'ny voninahisy gny fazakako. Nahita gny sitrako reo pagnomesay vo reo lelahiko mendri-kaza. Nandesiny nihery teo amigny seza fiandrianako ndraiky zaho, dra agnobon'izay dra name fahalahibe lahibe tokoa zaho. 37Izaho, Nebokadnezara, dra midera, manandrasy, dra magnome voninahisy gny pazakan'ny lagnisy ankehitriny, fa marina reo asany, dra mahisy gny lalany. Afaky mapietry reo zay mandeha amigny fiavognavognany izy.
Chapter 5

1Nanao lolo lahibe ho an'ireo tandapa arivo lahy i Belsazara pazaka, dra nino divay teo anoloan'ireo arivo lahy aby izy. 2Raha nanadrasy gny divay i Belsazara, dra nagnome baiko ba handeha gny tavoara vita amigny volamena na volafosy ze nalan'i Nebokadnezara rany tao atepoly tao Jerosalema, ze tamizay izy, reo tandapa, dra reo valiny vo gny vadisindrony gny nino.3Nangala reo tavoara volamena ze fa naboaky avy tao atepoly, tragnon'Agnahary, tao Jerosalema reo panopo. Dra tamireo gny ninomanigny pazaka, reo tandapany, dra reo valiny vo reo valisindrony. 4Nino divay ereo dra nidera reo sapin'ereo ze vita tamigny volamena vo volafosy, varahy, vy hazo, dra vato.5Tamizay fotoa zay dra nisy rasa-tagnan'olo niseho teo anoloanigny fitoeran-ziro dra nanorasy teo amigny rindry voalalosy tao an-dapanigny pazaka. Nahita gny apahanigny tana gny pazaka raha nanorasy anizay. 6Dra niova gny endriky gny pazaka dra napatahosy anazy gny eriseriny; sy nahazaka anazy gny tombony, dra nialy gny lohaliny.7Nitoka fatrasy gny komandiny gny pazaka ba hapilisy reo ze nizaka fa mizaka amigny maty, olo maragni-say, dra reo panandro. Nizaka tamireo fatasy tamigny fahendreny tao Babylona gny pazaka ho: " Na iza na iza magnazava io sarosy io vo gny dikany dra hapekazoa voloparasy vo hana ravaky volamena eo am-bozony. hana gny fahefanigny panapaky fahatelo agnabo indrindra ao amigny fazaka izy.8Dra nilisy reo lelahiny pazaka ze fatasy noho gny fahendreny, kanefa sy nahavita namaky gny sorasy na nagnazava gny dikany tamigny pazaka ereo. 9Taisy fatrasy tamigny i Belsazara pazaka dra niova gny endriny gny tavany Levo hevisy reo tandapany.10Dra nilisy tao amigny tragno fanasa gny pazaka vavy nohonigny raha nizakan'ny pazaka vo reo tandapany. Dra hoy gny pazaka vavy ho: ''Ho ela velo anie gny pazaka! ka anga hagnakorota anao gny eriserisao. Ka anga hiova andriky gny tavanao.11Misy lelahy zay mana gny fagnahin'ireo Zagnahary masy eto amigny fazakanao. Tamigny andron'ny babanao, dra hita tao aminazy gny fahazava vo gny fahazava-say dra fahendre manahaky gny fahendren'ireo Zagnahary. Nebokadnezara pazaka, pazaka babanao, nanao anazy ho lahiben'ireo ambiasa, ambiasa, dra lahiben'ireo mizaka amigny maty, vo an'ireo olo maragni-say, dra an'ireo panandro. 12Fagnahy soa dra tena soa, fahalala, fahazava-say, fandika nofy, fagnazava zaka sorasy dra fagnaha olana_reo hasoa reo dra hita tao ami'zay lelahy Daniela zay, zay nitokavin'ny pazaka ho Beltesazara. Dra akehitriny mapitokava an'i Daniela dra hozakany aminao gny dikan'izay voasorasy.''13Dra nandesiny teo agnatrehan'ny pazaka i Daniela. Hoy gny pazaka taminazy ho: ''Hanao zay Daniela zay, raiky ami'reo vahoaky sesi-tanin'i Joda, zay nandesiny babako niala tao Joda. 14Fa reko gny momba anao, fa ao aminao gny fagnahin'ireo Zagnahary, dra gny hazava vo fahazava-say dra fahendre soa dra tena soa hita ao aminao.15Fa napidiry teo alohako ba hamaky io sorasy io vo hapahafatasy anahy gny dikany reo lelahy fatasy amigny fahendre vo reo zay mizaka amigny maty, kanefa sy nahavita napahafatasy gny dikan'izay izy reo. 16Fa nahare zaho fa afaky magnome fandikana vo mamaha olo hanao. Dra gny hainao gny mamaky sorasy dra mizaka aminahy gny dikany, dra hapitafia voloparasy hanao dra hasia rozo volamena eo am-bozonao, dra hahazo gny fahefa panapaky fahatelo avo indrindra eto amigny fazakana hanao.'''17Dra manaly teo alohan'ny pazaka i Daniela ho: ''Aoka ho anao avo gny fagnomezanao, dra omeo olo-hafa gny valisoanao. Na dre zay aza, dra hovakiko aminao gny sorasy, ry pazaka, dra hozakako aminao gny heviny. 18Gny aminao, ry pazaka, gny Zagnahary avo indrindra nagnome an'i Nebokadnezara babanao gny fazakana, gny fahalahibe, haza, vo voninahisy. 19Nohon'ny fahalahibeaza namen'i Zagnahary anazy, dra nangovisy vo natahosy anazy gny vahoaky aby, gny firenena, dra gny fizaka sambihafa. Namono zay tiany hovono izy, dra nagnenga ho velo zay tiany ho velo. Nasamdrany zay tiany, dra naetriny zay niriny haetry.20Fa gny niavognavo gny fony dra nihafatrasy gny fagnahiny ba hanovany raha sahisahy, dra nalany lateo amigny seza fiandriana maha pazaka anazy izy, dra nalany ereo gny vaninahiny. 21Niroahiny tamigny olombelo izy, nana sai-biby izy, dra niara-niay tami'ireo borikidia izy. Nihinan'aisy manahaky gny agnomby izy. Leny gny andon'ny lagnisy gny vatany mandra-pahafatarany fa gny Zagnahary avo indrindra gny manapaky eo amigny fazakan'ny vahoaky dra manendry zay tiany hapetraky eo ami'zay izy.22Hanao zanadahiny, ry Belsazara, dra sy nagnety gny fonao, na dre nahafatasy anizay aby zay aza hanao. 23Fa nanandra-tegna hanohisy gny Toponigny lagnisy hanao. Boak'ao atragnony gny nindesanao reo tavoara ze ninomanao, reo tandapanao, reo valy vo reo valisindronao, dra nanopo reo sapy vita tamigny volafosy vo volamena, varahy, vy hazo, dra vato__sapy ze sy mahita, mahare, na mahalala na ino na ino hanao. Sy nagnome voninahisy an'Agnahary ze mita gny fofon'ainao eo apelatagnany vo mahalala gny lalanao aby hanao. 24Dra Zagnahary nandefa tana aby amigny fagnatrehahy dra vita zao sorasy zao.25Gny zaka voasorasy dra izao: 'Mena, Mena, Tekela, dra Oparesina.' 26Izao gny heviny: 'Mene,' 'Voaisan'Agnahary gny nazakanao dra ninday anizay ho amigny fiafara izy.' 27'Tekela,' 'Laza eo amigny mizana hanao dra hita fa lasa-daza.' 28'Peresa,' 'Zaraina vo omeo ho an'ireo Mediana vo reo Persiana gny fazakanao."'29Dra nagnome baiko i Belsazara, dra napekazo voloparasy an'i Daniela ereo. Natao teo am-bozony gny ravaky volamena, dra nanao fagnambara momba anazy gny hahazoany gny fahefa panapaky fahatelo abo indrindra teo amigny fazaka gny pazaka. 30Tamigny hariva igny, dra maty i Belsazara, pazakanigny Babyloniana, 31dra i Dariosy gny Mediana gny nitakasy gny fazaka raha teo ho eo amigny ro amby enipolo tao izy.
Chapter 6

1Nahafaly an'i Dariosa gny nanendry governora 120 isa-paritany nanera gny fazaka ze hanapaky manera gny fazaka aby. 2Nisy komandy lahibe telo teo amin'ereo, dra raiky tamireo i Daniela. Reo komandy lahibe reo dra voatendry ba hagnara-maso reo governora isa-parisy, ba sy ho maty atoky gny pazaka. 3Niavaky agnanireo komandy lahibe hafa vo reo governora isa-parisy i Daniela akory nana fagnahy miavaky izy. Nanao drafisy gny hametraky anazy manera gny fazaka aby gny pazaka.4Boak'eo reo pitan-draharaha lahibe hafa vo reo governora isa-paritany nitalia hadisoa tamigny asa nataon'i Davida ho anigny fazaka, saiky sy nahita kolikoly na sy fahombiaza tamigny asany ereo akory nahatoky izy. Sy nisy fahadisoa na siramby hita taminazy. 5Dra hoy reo lelahy reo ho: "Sy mahita atony tokony hitaray an'i Daniela tihoky izahay raha sy ho mahita raha manohisy anazy araky gny lalanigny Zagnahariny izahay."6Dra ninday tetiky teo anoloanigny pazaka reo pitan-draharaha vo governora. Hoy ereo taminazy ho: "Ry Dariosa pazaka, ho velo mandrakizay anie hanai! 7Reo pitan-draharaha lahibe aby tao amigny fazaka, reo governora isa-parisy, vo reo governora isa-paritany, reo panolosay, dra reo governora dra niara-nifapidiniky dra nanapa-kevisy fa hanao, pazaka, dra tokony hamoaky didy dra hagnamafy anizay, dra na iza na iza manao fanangona-say amigny zagnahary aby na olombelo mandrisy gny telopolo andro, akoasy anao, ry pazaka, dra sy maisy haria ao an-davaky gny liona zay olo zay.8Amizo, ry pazaka, mamoaha didy dra soniavo gny taratasy ba sy hanova anizay, araky gny voatondronigny lalany Mediana vo i Persiana, dra sy afaky avo zay." 9Ko dra nisoniavin'i Dariosa pazaka gny taratasy namadiha gny didy ho lalana.10Gny fa fatas'i Daniela fa voasonia ho lalana gny taratasy, dra nandeha tagny an-tragnony izy (dra nisokaky reo vatrangarakely tagny amigny efisy agnabo nifanandrify tamin'i Jerosalema), dra nandohaliky izy, manahaky gny fanaony in-telo agnatinigny andro raiky, dra nivavaky vo nisaotra nanoloa gny Zagnahariny izy, manahaky gny fa nataony tagny aloha. 11Baok'eo reo lelahy ze nindray nanao teti-drasy reo nahita an'i Daniela nanao fangataha vo nitalia fagnapiny avy amin'Agnahary.12Boak'eo ereo nagnato gny pazaka dra nizaka taminazy mombanigny didiny ho: "Moa sy nanao didy ra hanao fa ze manao sonia amigny Zagnahary aby na gny olombelo mandrisy gny telopolo andro magnaraky, akoasy anao, ry pazaka, dra sy maisy aria ao an-davaky gny liona?" Namaly gny pazaka ho: "Voapetraky gny raharaha, araky gny voatondronigny lalany Mediana vo i Persiana; sy afaky avo zay."13Dra namaly gny pazaka ereo ho: "Zay Daniela zay, ze raiky amireo olo avy an-sesi-tanytagny Joda, dra sy miraharaha anao, ry pazaka, na gny didy ze nisoniavinao. Mivavaky amigny Zagnahariny itelo izy ao agnatinigny andro raiky." 14Gny fa nahare anizay gny pazaka, dra nalahelo fatrasy izy, dra nalahelo fatrasy izy, dra nandefa amigny fanapahany. Niasa mandra-polianigny masoandro izy ba hiezaky hagnavosy an'i Daniela.15Boak'eo reo lelahy ze nanao teti-drasy reo nivory niaraky tamigny pazaka dra nanao taminazy ho: "Fataro, ry pazaka, fa lalanigny Mizosoa vo Persiana zay, dra sy afaky ombia gny lalana na didy ze nataonigny pazaka."16Dra nagnome baiko gny pazaka, dra nandesin'ereo nilisy Daniela, dra narian'ereo tao an-davaky gny liona izy. Hoy gny pazaka tamin'i Daniela ho: "Hagnavosy anao anie, gny Zagnaharinao, ze toponao mandrakariva."17Nisy vato nandesy teo amigny fidira magnagny amigny lavaky, dra nagnisy tombo-kase anizay tamigny perany gny pazaka vo tamireo perasy fanomboha-kasen'ireo mana-kazany ba sy hisy hiova gny mahakasiky an'i Daniela izy. 18Boak'eo nandeha tagny amigny lapany gny pazaka dra nandia gny hariva nifaly hany. Sy nisy fiala-boly nandesy teo anoloany, dra sy lasa gny torimasony.19Boak'eo vo mangira-drasy dra nisanga gny pazaka dra nandeha malaky tagny an-davaky gny liona. 20Raha nagnariny gny lavaky izy, dra nitoka an'i Daniela tamigny feo malahelo, nanao tamin'i Daniela ho: "Ry Daniela, panoponigny Zagnahary velo, moa sy afaky nagnavota anao tamireo liona gny Zagnaharinao, ze toponao mandrakariva?"21Dra hoy Daniela tamigny pazaka ho: 22''Ry pazaka, ho velo mandrakizay le hanao! fa nandefa gny pinday hafany Zagnahary dra nagnily gny vavany liona, dra sy nandrasy anahy ereo. Fa sy misy signy teo agnatrehany zaho vo teo alohanao avo koa, ry pazaka, dra sy nanao rasy anao zaho.''23Avy eo dra faly tanteraky gny pazaka. Nagnome baiko gny pazaklan'izy reo an'i Daniela avy eo an-davaky izy. Noho zay dra napiakariny avy ao an-davaky Daniela. Sy nisy narasy taminazy, satria natoky gny Zagnahary izy.24Nagnome baiko gny pazaka, dra nandesiny reo lelahy zay niampanga an'i Daniela reo dra natoran'ereo tao an-davaky gny liona___izy reo vo gny zanak'izy reo, dra gny valin'izy reo. Mialoahan'ny nahavian'izy reo tamigny tany, dra nandresy anazy reo gny liona dra nanorotoro gny tolany maro ereo. 25Avy eo Dariosa pazaka nanorasy tamigny olon'aby, reo firenena, dra reo fizaka zay misy eto an-tany aby ho: ''Hapitombo aminao le gny fiadagna.26Zao zaho dra manao didy fa amigny fanapaha amogny fazakako dra mangovisy vo matahosy eo agnatrehan'i Zagnaharin'i Daniela gny olo, satria izy gny Zagnahary velo vo miay mandrakizay, dra gny fazakany tokony sy ho rava; gny fanapahany dra tokony sy hatramigny farany. 27Miaro asika vo magnavosy asiak izy, dra manao famatara vo fahagaga agny an-dagnisy vo eto atany izy; niaro an'i Daniela ho avosy tamigny herin'ireo liona izy.''''28Noho zay dra nambiny nandrisy gny fitondran'i Dariosa vo nandrisy gny fitondran'i Kyrosy gny Persiana i Daniela.
Chapter 7

1Tamigny voloha-taonan'i Belsazara pazakan'i Babylona, dra nagnonofy vo nahazo fahita asay i Daniela raha nandry teo amigny fandriany izy. Boak'eo dra naorasy ze hitany tao amigny nofiny izy. Nanorasy reo tranga manan-daza faratapony izy: 2Nagnazava i Daniela ho: "Tao agnatinigny fahitako tamigny hariva dra nahita reo sioky efasy gny lagnisy zaho dra napihesiky gny ranomasim-be. 3Biby lahibe efasy, samihafa karazan'aby, gny niakasy boak'ao amigny ranomasy.4Gny volohany dra manahaky gny liona fa mana elasy voromahery. Raha nagnety zaho, rota reo elany dra miala amigny tany zay dar misanga amigny tomboky ro, manahaky gny olo. Name anizay gny fisaignanigny olo. 5Boak'eo dra nisy biby faharo; manahaky gny bera, dra niondriky zay; nanao tolan-teheza telo eo agnelagnelanigny nifily vo gny vavany zay. Nizakany zay ho: 'Mifohaza dra mandrapaha olo maro.6Tafaran'izay dra nagnety zaho. Nisybiby raiky hafa, raiky ze miendriky manahaky gny leoparda. Teo an-damosin'izay dra nisy elasy efasy manahaky gny elasy gny voro, dra nanao loha efasy zay. Name fahefa hanapaky anizay. 7Tafaran'izay dra nahita biby fahaefasy tao agnatinigny nofiko tamigny hariva zaho, napihorohoro, napatahosy, dra tena natazaky. Nana nify vy lahibe izy; nandrapaky anizay, namotiky, dra nagnisakisaky ze tavela amigny tombony. Izay dra sy nitovy amireo biby hafa, dra nana zagnony folo izy.8Raha nandiniky reo zagno zaho, dra nagnety dra nahita tandroky hafa miry eo amizay, zagno masaiky raiky. Gny telo amireo zagno volohany dra niboaky tamigny fakany. Nahita maso manahaky gny mason'olo tao agnatin'io tandroky io zaho dra vava ze nirehareha momba reo raha aby.9Raha nagnety zaho, dra nipetraky tamigny toera reo seza fiandriagna, dra reo Andro Fahagola gny nangalaky gny pisenazy. Fosy manahaky gny ora-panala gny akazony, dra gny volon-dohany dra manahaky gny volon'agnondry sy mifangaro. Lelan'afo gny seza fiandrianany, dra kodiany dra afo mirehisy.10Nikoria niboaky boak'eo anoloany gny loharanon'afo; atapitrisany gny nanopo anazy, dra zato tapitrisa gny nisanga eo agnatrehany. Nivory gny fisara, dra nisokaky reo boky.11Bo nagnety hatragny zaho nohonigny fireharehan'ireo zaka nizakan'ireo zagno. Nagnety zaho raha igny bo nivono igny gny biby, dra nisolany gny vatany, dra nanolosy ba ho oroa zay. 12Dra gny sisa tamireo biby efasy, dra nala gny fahefan'ereo hanapaky, kanefa nalava gny fehi-potoa hiegnan'ereo.13Tao agnatinigny fahitako amy hariva io, dra nahita olo raiky avy niaraky tamireo rahonigny lagnisy manahaky gny zanak'olo zaho; avy teo amireo Andro Fahagola izy dra naseho teo agnatrehany. 14Name anazy gny fahefa hanapaky vo voninahisy dra hery fiandriagna ba hanopo anereo olo aby, reo firenena, dra reo fizaka isa-karazany. Gny fahefany hanapaky dra fahefa mandrakizay ze sy ho levo, dra gny fazakany dra gny sy ho levo, dra gny fazakany dra gny sy ho rava mandrakizay.15Raha gny aminahy, Daniela, dra malahelo ato agnato gny fagnahiko, dra reo fahita ze hitako tao asaiko dra mapatahosy anahy. 16Nagnato gny raiky tamireo nisanga tagny zaho dra nangataky taminazy ba hapisehoany anahy gny dikan'ireo raha reo.17Reo biby lahibe reo, efasy raha isahy dra pazaka efasy ze hisandrasy boak'amigny tany. 18Fa reo olomasinigny Avo indrindra dra hitakasy fazaka, dra hana zay ho fanagnamandrakizay doria ereo.'19Dra te hahafatasy bebe kokoa momba gny biby fahaefasy zaho__tena hafa vatany amireo hafa zay dra mapioribolo vatany amigny nifiny vy vo reo vazakoho varahy; mandrapaky zay, mamotipotiky, dra magnisakisaky amigny tombony ze tavela. 20Te-hahafatasy momba reo zagno folo eo an-dohany zaho, dra nisy zagno telo potraky teo alohany. Te-hahafatasy momba gny zagno ze mana-maso dra momba gny vava ze mirehareha momba reo raha lahibe zaho dra ho lahibe mihoasy noho reo namany zay.21Raha nagnety zaho, io zagno io dra mikarama agnaly manohisy reo olomasy dra naharesy anereo 22mandra-pihavian'ireo Andro Fahagola, dra gny fahamarigna dra name reo olomasinigny avo indrindra. Boak'eo dra avy gny fotoa gny fa nitakasy gny fazaka reo olomasy.23Zao gny nizakanigny olo: 'Raha gny amigny biby fahaefasy, ho fazaka fahaefasy amigny tany ze ho hafa amireo fazaka hafa aby ze. Handrapaky gny tany raiky manotolo zay, hagnisaky vo handrava anazy ho potipotiky. 24Raha gny amireo zagno folo, pazaka folo gny hisandrasy avy aminio fazaka io, dra raiky hafa gny hisandrasy afaran'ereo. Ho hafa amireo teo aloha zay, dra handresy reo pazaka telo izy.25Hizaka zaka manohisy anigny Avo indrindra izy dra hapasiaky reo olomasin'Agnahary Avo indrindra. Hiezaky hanova reo fakalaza vo reo lala izy. Reo raha reo dra hame eo atanany mandrisy heri-tao, ro tao, dra tapa-tao. 26Fa hivory gny fisara, dra hangalaky gny herinigny fiandriana ba ho sola vo ho rava agny amigny farany ereo.27Gny fazaka vo gny fanapaha, dra gny halahibenigny fazaka eo ambaninigny lagnisy manotolo, dra hame reo olo ze an'ireo olomasinigny Avo indrindra. Gny fazaka dra fazaka maharisy mandrakizay, dra reo fazaka hafa aby dra hanopo vo hakato anazy.' 28Tihoky gny farany nitranga. Raha gny aminahy, Daniela, nanaisy anahy tateraky reo eriseriso dra niova endriky gny tavako. Fa nitanako ho anahy raiky reo raha reo."
Chapter 8

1Tamigny tao fahatelo nazakan'i Belsazara pazaka, izaho, Daniela, dra nisy fahita niseho taminahy (tao afaranigny raiky ze niseho taminahy tamigny vilohany). 2Hitako tamigny fahita, raha nagnety zaho, dra tao agnatinigny faritanin'i Elama zaho. Hitako tao amigny fahita fa nagnatriky gny Lakandranony gny Olay zaho.3Nagnety agnabo zaho dra nahita agnondrilahy niaraky tamigny tandroky ro teo anoloako zaho, nisanga teo agnilanigny lakan-drano. Gny tandroky raiky dra lava noho gny ilany, fa gny lavalava raiky mitombo simoramora noho gny boribory dra nihoasy gny halavan'izay. 4Nahita gny agnondry lahy nirafisy nagnandrefa, boak'eo nagnavarasy, dra boak'eo nagnasimo zaho; sy nisy biby hafa afaky nisanga nanoloa anazy. Sy nisy tamin'ereo afaky namozy ze hiala tao atagnany. Nanao ze tiany aby izy, dra lasa lahibe vatany.5Raha niaisay momba anizay zaho, dra nahita osy lahy avy boak'agny andrefa, ze nandeha nanera gny velara-tany manotolo, nihazakazaky fatrasy, tao sy mitehi-tany. Nana-tandroky lava teo agnelagnelanigny masony gny osy igny. 6Nagneo amigny agnondrilahy ze nana tandroky ro izy__nahita gny agnondrilahy nisanga teo amigny sisinigny lakan-drano zaho__dra gny osy nihazakazaky ho egny amigny agnondrilahy tamipahasiaha mahery vaiky.7Nahita gny osy nagnariny gny agnondry zaho. Ory fatrasy tamigny agnondry izy, dra namely gny agnondrilahy dra namotiky reo zagnony ro. Sy apy hery gny agnondrilahy ba hizoro magnatriky anazy. Gny osy nagnonga anazy tamigny tany dra nagnisakisaky anazy. Sy nisy afaky namozy gny agnondrilahy tamigny heriny. 8Niha-lahibe gny osy boak'eo. Fa gny fa niha-nahery izy, dra vaky gny zagno lava, dra tamigny toeran'igny dra nisy tandroky lava efasy hafa nitombo ze nanondro manadrify gny sioky efasy gny lagnisy.9Nisy tandroky hafa nisiry, kely tamigny volohany, fa lasa lahibe vatany tagny asimo, tagny asignana, dra tagny amigny taninigny hasoa. 10Avy lahibe vatany izay manahaky gny hirosaky an'agnaly miaraky amigny tafiky gny lagnisy. Gny ilany tamizay tafiky zay vo gny ilany tamireo kita dra nazera tamigny tany, dra nagnisakisaky anereo izay.11Nanao gny vatany ho lahibe manahaky gny pifehy gny tafiky izy, dra nangalaky taminazy gny soro oroa sy tapaky izay, dra gny fitoera masy dra voaloto. 12Noho gny fikomia, dra hame gny zagnony gny osy gny tafiky, dra hasahasy gny fagnatisy oroa. Harianigny zagnony amigny tany ambany gny fahamarigna, dra hahomby amize ataony zay.13Dra nahare masy nizaka zaho dra raiky masy hafa namaly anazy: "Hafitia gny haharetan'ireo raha reo, io fahita momba gny fagnatisy oroa io, gny fahota ze minday fahavarasy, gny fazakazaka eo amigny fitoera masy, dra gny tafiky gny lagnisy ze voahisakisaky?" 14Hoy izy taminahy: "Haharisy 2. 300 hariva vo maraindray zay. Afaran'izay dra hapetraky soa gny fitoera masy."15Gny nahita gny fahita, izaho Daniela, dra niezaky nahatakasy zay zaho. Drta nisy tao niraiky miendriky ho olo nisanga nanoloa anahy. 16Naneho feon-ndelahy nitoka teo agnelagnelan'ny sisin'ny lakan-drano Olay zaho. Hoy izy: ''Ry Gabriela, apio io lelahy io hahatakasy gny fahita.'' 17Dra nagnariny teo ami'zay nisanganako izy. Gny avy izy, natahosy zaho dra nagnondriky gny tegnako tamigny tany. Hoy izy taminahy: ''Mahatakasy, ry zanak'olo, fa gny fahita dra ho amigny fotoa farany.'''18Gny nizaka taminahy izy, dra lavo tao agnaty torimaso laliky zaho mindray amigny tavako amigny tany. Dra nikasiky anahy izy dra napisanga anahy. 19Hoy izy: ''Ingo, hasehoko anao zay hitranga atiky afara amigny fotoan'ny fahatezera satria gny fahita dra mikasiky gny fotoa voatondro ho amigny farany.20Fa gny rameva zay hitanao, dra nana tandroky ro__reo gny pazakan'i Media vo Persia. 21Gny agnondry lahy dra gny pazakan'i Grisia. Gny tandroky lava teo agnelagnelan'ireo masony gny pazaka volohany.22Gny amigny tandroky zay tapaky, teo amigny yoera zay nipoiran'ireo afasy hafa___hisy fazakana efasy hipoisy amigny firenena, fa sy amigny heriny lahibe. 23Amigny fotoa farany an'ireo fazakana reo, gny hahatrasy gny fetrany reo pamaliky, dra hisy pazaka masia-tarehy, zay tena manasay, hisanga.24Ho lahibe tokoa gny heriny__-fa sy tamigny heriny manoka. Ho gaga ami'zay ho ravany izy; hiasa izy dra hahomby. Handrava vahoaky mahery izy, vahoaky eo ami'reo zay masy. 25Amigny alalan'ny hafesifesy gny hanovany fitaky mahomby ambanin'ny tagnany. Ho avy lahibe amigny eriserisy avo koa izy. Handrava olo maro sy apoizy izy. Hisanga izy na dre hanohisy gny pazakan'ireo pazaka aza, dra ho torotoro izy, fa sy ba amigny alalan'ny tagnan'olombelo.26Gny fahita momba reo hariva vo reo maraindray zay fa voazaka marina. Fa asio tombokase gny fahita, fa manondro andro maro amigny hoavy zay.'''27Dra izaho, Daniela, dra rakaky dra nandry namely nandrisy gny andro maromaro. Dra nifoha zaho, dra nandeha tamigny rahalahin'ny pazaka. Fa rikoriko tamigny fahitana zaho. dra sy nisy dre raiky nahatakasy zay.
Chapter 9

1Dariosy dra zanadahin'i Ahasoerosy, taranaky gny Mediana. Ahasoerosy gny fa natao pazaka teo amigny faris'ireo Babyloniana. 2Dra tamigny tao volohany nazakan'i Dariosy, izaho Daniela, nianasy reo boky mirakisy gny zakan'i Yaveh, zaka ze fa avy tamin'i Jeremia paminany. Nandiniky zaho fa tokony nisy fitopolo tao hatramigny nandozany an'i Jerosalema.3Natoliko tamigny Topo Zagnahariko gny tavako, ba hitalia Anazy amigny fivavaha vo fangataha, amigny fifilia-kany, fekazoa lamba fandala, dra fipetraha amigny lavenoky. 4Nivavaky tamin'i Yaveh Zagnahariko zaho, dra nanao fiakheloky tamireo fahotasika. Hoy zaho ho: "Topo o__Hanao lahibe sady Zagnahary mahatalazo__Hanao gny tokony mitandry gny fagneke dra matoky amigny fitiava reo ze tia anao vo mitandry reo didinao.5Fa nanota izahay dra fa nanao gny sy mety. Fa nanao fitondra-tegna rasy vo nikomy izahay, niala tamigny didinao vo reo fisipikao. 6Sy niteno reo paminany panoponao ze nizaka tamigny agnaranao tamigny pazakanay izahay, reo pitariky anay, reo razambenay, dra reo vahoakigny tany aby.7Hanao, ry topo, gny fahamarigna. Kanefa, ho anay amizao, gny hegnasy eo amigny tavany__ho anigny vahoakigny Joda vo reo ze mony agny Jerosalema, dra ho anigny Israely aby. Agnisan'izay reo ze mariny vo reo ze lavisy indrindra agny amigny tany aby ze nandefasanao anereo. Izay dra noho gny fitaky lahibe ze nataonay hanohisy Anao. 8Ho anay, ry Yaveh, eo amigny tavanay gny hegnasy__ho an'ireo pazakanay, ho an'ireo lahebenay, dra ho an'ireo razambenay__akory fa nanota taminao izahay.9Anigny Topo Zagnaharinay gny fangora-po vo gny famela-keloky, fa nikomy hanohisy anazy izahay. 10Izahay dra sy nakato gny feon'i Yaveh Zagnahary tamigny fandehana araky gny lalany ze nameny anay tamigny alalan'ireo nameny anay tamigny alalan'ireo paminany panopony. 11Gny Israely aby dra fa nandika gny lalanao dra niala, nandra sy hakato gny feonao. Gny ozo vo gny fiegna ze voasorasy ao amigny lalan'i Mosesy, gny panopon'Agnahary, fa naily taminay, akory fa nanota taminazy izahay.12Yaveh fa nagnamafy gny zaka ze nizakany manohisy asika vo manohisy gny fisipiky teo amisika, tamigny fitondra loza teo amisika. Fa gny nisy raha vita azo apitaha amigny natao tamigny Jerosalema teo amigny ambany lagnisy manotolo. 13Araky gny voarorasy ao amigny lalan'i Mosesy, gny hiavianizzay loza aby zay amisika, fa bo sy nitalaho gny famindra-po avy tamin'i Yaveh zagnaharinay tamigny fiala tamireo heloky vo hahitanay gny fahamarignanao izahy. 14Dra noho izay dra nitehirizin'i Yaveh ho vonona gny loza dra fa nizaka teo aminay izay, akory Yaveh zagnarinay dra mary amigny asa aby ze ataony, kanefa bo sy nakato gny feony avo izahay.15Ko, ry topo Zagnaharinay, nandesinao niboaky boak'agny amigny tany Egypta gny vahoakao tamigny tagna mahery, dra fa nanao agnara fata-daza ho anigny vatanao hanao, manahaky anizao andro zao. Fa bo nanota avo izahay; fa nanao reo raha rasy. 16Ry topo, noho reo asa marinao, dra aoky gny hatezeranao vo gny fahasiahanao hiala amin'i Jerosalema tananao, gny tendrombohisy, vo noho gny helok'ireo razam-benay, dra lasa ato-pahafam-baraka ho anize magnodidy anay i Jerosalema vo reo vahoakao.17Amizao, ry Zagnaharinay, mitenoa gny vavaky gny panoponao vo gny fitalahoany famindra-po; fa noho gny aminao, topo o, dra apamirapirato eo amigny fioeranao masy ze rava gny tavanao. 18Zagnahariko o, sokafo gny sofinao dra mitenoa; sokafo gny masonao dra magnatia. Fa sola rava izahay; atio gny tana ze natao avy amigny agnaranao. Sy mitalaho ho anigny fahamarignanay, fa noho gny famindra-ponao lahibe. 19Topo o, mitenoa! Topo o, Mamela heloky! topo o, mitenoa dra miheseha! Noho gny Aminao manoka, ka ela, ry Zagnahariko, fa gny tagnanao vo gny vahoakao, fa gny tananao vo gny vahoakinao amigny agnaranao."20Raha bo nizaka zaho__nivavaky vo niaiky gny fahotako vo gny fahotan'Israely vahoako, dra naneho gny fangatahako teo agnatrehan'i Yaveh zagnahariko ho anigny tendrombohisy masin'Agnahary__21raha bo nivavaky, gny lelahy Gabriela, ze hitako tao amigny fahita volohany, nitily teo aminahy tamigny fafitiligna malaky fandeha, tamigny fotoanigny fagnatisy hariva.22Nagnome fahazava-say anahy izy dra nanao anizahoky ho: "Ry Daniela, avy hagnome halali-say vo fahazava-say ho anao zaho izao. 23Gny fa nanomboky nitalaho famindra-po hanao, dra name gny baiko dra avy zaho hizaka aminao gny valiny, fa hanao dra tia vatany. Noho izay dra sarovy izao zaka zao dra takaro gny fagnambara.24Fito amby fitopolo amigny tao gny voadiny ho anigny vahoakao vo gny tananao masy ba hapisahara gny heloky vo hapisahara gny fahota, hanohera gny faharasia, dra hinday gny fahamarigna mandrakizay, ba hagnatateraha gny fahita vo gny faminania, dra hagnamasy gny fitoera masy indrindra. 25Fataro dra takaro fa avy amigny fiboahanigny baiko gny hagneregna amigny loniny vo hanohera ndraiky an'i Jerosalema ho anigny fahavianigny voahososy (ze ho pitariky), hisy fito ipito vo ro amby enipolo ipito. Ohary amigny lala vo haly ndraiky i Jerosalema, na dre eo aza reo fotoa-pahoria.26Afaky ro amby eni-polo ipito amigny tao, gny voahososy dra ho rava dra sy hana na ino na ino. Gny tafiky gny panapaky ze ho avy dra nandringa gny tana vo gny fitoera masy.Gny fiafaran'izay dra ho avy miaraky amigny tondra-drano, dra hisy aly, eny fa na dre agny amigny farany aza. Fa voafily gny fandrava.27Hagnamafy gny fagneke amigny maro agnatinigny fito raiky izy. Amigny fisasahanigny fito dra hapisahasy gny soro vo fagnatisy Izy. Amigny elasy gny fahavetaveta gny ho avy gny olo ze hano fandrava. Gny fiafara tateraky vo gny fagnapoteha dra nambara fa haily amize pandrava."
Chapter 10

1Tamigny tao fahatelo nazakan'i Kyrosy pazakan'i Persia, dra nisy hafasy nambara tamin'i Daniela, ze natao avo koa ho Beltesara. Mary zay hafasy zay. Izay dra mombanigny aly lahibe. Nahatakasy gny hafasy i Daniela gny fa nahazo faharagnita-say avy amigny fahita izy.2Tamizay andro zay, izaho Daniela, dra nandala nandrisy gny telo herignandro. 3Sy nihina hanina hany zaho, sy nihina hena mihisy, sy nino divay mihisy, dra sy ba nagnososy dililo tamigny tavako mandra-pahavitanigny telo herignandro manotolo.4Tamigny andro fahaefasy amby ropolony tamigny volohanigny vola, raha teo agnilanigny ony lehibe zaho (izay ho, Hedekela), 5niandrandra zaho dra nahita lelahy nekazo lamba zamala, miaraky amigny fehikibo vita amigny volamena sy mifangaro boak'agny Ofaza magnodidy gny valahany. 6Gny vatany dra manahaky gny topaza, dra reo tarehiny manahaky gny hazava. Reo masony manahaky gny fanilo mirehisy, dra reo sandriny vo gny tombony manahaky gny varahy manganohano. Gny feony manahaky gny feon'olo maro be.7Izaho, Daniela, raiky gny nahita fahita, fa gny olo ze teo aminahy dra sy nahita gny fahita. Na izay aza, avy teo amin'ereo gny harohoro lahibe, dra nienga nagnavony gny vatany ereo. 8Ko izaho raiky gny sisa teo dra nahita gny fahitana lahibe. Simisy hery nitoby tao aminahy; nihasola nivaloariky gny endriko namirasy, dra simisy hery nitoby tao aminahy. 9Dra nahare reo zakany zaho__dra raha nahare anereo zaho, lasaky tagnaty torimaso laliky zaho dra gny tarehiko teo amigny tany.10Nisy tana nikasiky anahy, dra napangovisy gny lohaliko vo gny felanigny tagnako. 11Nizaka taminahy gny azely ho: "Ry Daniela, lelahy nihindrahindra fatrasy, fataro reo zaka ze zakako aminao. Mizoro mahisy, akory nirahy ho aminao atiky zaho." Gny fa avy nizaka anizay hafasy izay taminahy izy, dra nizoro am-patahora zaho.12Dra hoy izy taminahy: "Ka matahosy, ry Daniela. Nanomboky tamigny andro volohany nahafataranao anizay tao asainao dra nanetrenao tegna teo alohanigny Zagnaharinao, dra fa re gny zakanao, dra avy zaho noho gny zakanao. 13Gny andriandahy ao amigny fazakan'i Parsia nanohisy anahy, dra nandigny gny pazakanigny Persia zaho nandrisigny raiky amby ropolo andro. Fa i Mikaela, Raiky amireo andria lelahy, gny avy nagnapy anahy.14Amizao avy zaho hagnapy anao hahatakasy ze hahazo gny vahoakao amigny andro farany. Fa gny fahita dra ho an'ireo bo ho avy." 15Gny fa nizaka taminahy tamigny fapesa reo zaka reo izy, natoliko taigny tany gny tavako dra sy afaky nizaka zaho.16Nikasiky gny moloso gny olo raiky ze manahaky gny zonak'olo, dra nanokaky gny vavako zaho dra nizaka taminazy nisanga teo anoloako ho: "Ry topoko, nohonigny fahita dra ao agnaty fahoria zaho; sy misy hery tavela ato aminahy. 17Panoponao zaho. Akory gny hahafahako mizaka amigny topoko? Fa amizao sy mana-kery zaho, dra sy misy fofon'ay tavela ato agnatiko."18Nikasiky anahy ndraiky gny nangalaky endrik'olo dra nakahery anahy. 19Hoy izy ho: "Ka matahosy, ry lelahy nahindrahindra fatrasy. Fiadagna anie ho anao! Matazaha izao, matazaha!" Raha bo nizaka taminahy izy, dra nahery zaho. Hoy zaho ho: "Aoky gny topoko gny hizaka, fa nakahery anahy hanao."20Dra hoy izy ho:''Fatasao se nanaoakory zaho gny avy eto aminao? Bo hihery hialy amigny andriandahin'i Persia zaho. Gny fa mandeha zaho, dra ho avy koa gny andriandahin'i Grisia.

21Nefa ho zakako aminao zay voasorasy ao amigny Bokin'ny Marina. Sy misy olo mapiseho gny tazaky gny tegnany aminahy ba hanohisy anazy reo, fa sy Mikaela andriandahidrareo.
Chapter 11

1Tamigny tao volohany nazakan'i Dariosy Mediana, dra izaho vatany gny ho avy hanoha vo reo an'i Mekaela. 2Ho zakako aminao gny marina izao. Hisy pazaka telo hisanga agny persia, dra gny fahaefasy dra ho pagnefoefo lavisy noho reo hafa aby. Gny fa nahazo hery tamigny hareny izy, dra haporisiky gny olon'aby hanohisy gny fazakan'i Gresy.3Hisy pazaka mahery hisanga izay hanapaky fazakana lahibe tokoa, dra hanao araky zay iriny izy. 4gny fa tafasanga izy, dra ho rava gny fazakany dra hizara amigny rivosy efasy gny lagnisy, fa sy amigny taranany manoka, dra sy amigny fahefany fony nanapahany. Fa gny fazakany dra ho fongosy ho an'ny hafa akoasy reo taranany.5gny pazakan'ny Asimo dra ho lasa matazaky. saingy gny raiky ami'reo pifehy dra hazary hatazaky lavisy noho izy dra hanapaky gny fazakany amigny hery lahibe. 6Tona siapy afaran'izay, gny mety gny fotoa, dra hanao fihavana izy reo. Gny zanaky vavin'ny pazakan'ny Asimo ho avy agny amigny pazakan'ny Avarasy hagnafatrasy gny fifagneke. Saingy sy hahata gny herin'ny gny sandriny izy, na koa hotafazano ralelahy, na gny sandriny.Hafo izy__izy vo reo ninday anazy, dra gny babany, vo izay nanoha anazy tami'zay fotoa izay.7Fa hisy rasany avy ami'reo fakany hisanga handimby gny pilasiny. Hanafiky gny tafiky izy dra hilisy ao amigny fiarova fatrasigny pazakan'ny Avarasy. hialy amin'izy reo izy, dra haharesy anazy. 8Handesiny agny Egypta reo Zagnahariny mbamin'ireo sary voasikisy vy dra reo lovia volafosy vo volamena sarobidin'izy reo. Hizano lavisy gny pazakan'ny avarasy mandrisy gny tao maromaro izy. 9Hanafiky gny fazakan'ny pazakan'ny asimo gny pazakan'ny avarasy, saingy hiala ho agny amigny taniny izy.10Hivonona dra hamory tafiky lahibe reo zanany lahy. hiavy hatragny zay dra hanafosy gny zava-drehetra; handalo avy eo amigny lala aby ho eo amigny fiarovany fatrasy zay.11Hazary ho ory fatrasy gny pazakan'ny asimo; handeha dra hialy amigny pazakan'ny avarasy izy. hananga tafiky goava gny pazakan'ny avarasy, saingy hatolosy eo atagnany gny tafiky. 12ho lasa gny tafiky, dra fon'ny pazakan'ny asimo hisandrasy, dra handavo agnalignaly izy, saingy sy ho pandresy.13Hananga tafiky hafa gny pazakan'ny avarasy, goava noho gny tamigny volohany. Taona maro atiky afara, dra ho avy tokoa gny pazakan'ny avarasy mindray amigny tafiky goava voafasy fitova maro.14Amin'izay fotoa zay dra maro gny hisanga hanohisy gny pazakan'ny asimo. Zanaky pisetrasetra maro eo amigny vahoakinao gny hametraky gny tegnan'izy reo hahatateraky fahitana raiky, saingy ho tafitohina izy reo.15Ho avy gny pazakan'ny avarasy, handraraky tany hanova tovo-tany, dra hambabo tana amigny fiarova fatrasy. sy ho afa-mizoro gny tafiky gny asimo, na dre reo maramila mahery indrindra aza. sy hisy hery ho tafazoro. 16Fa koa, izay ho avy gny hanao zay iriny hanohera anazy; Sy hisy ho tafasanga eo amigny lalany. Hisanga eo amigny tanin'ny fahasarana izy, dra ho eo atagnany gny fandringana.17Hagnoma gny tavany ho avy mindray amigny herin'ny fazakan'ny aby gny fazakan'ny avarasy, dra hisy fifagnaraha zay hataony mindray amigny pazakan'ny asimo hindray aminazy. Hagnome zanaky vavy amigny apela hapiakariny izy ba hamotehana gny fazakan'ny asimo. Fa y hahomby na hagnapy anazy gny tetiky. 18Afaran'izay, dra ho liana amigny sisi-tany gny pazakan'ny avarasy dra hambabo gny maro amin'izy reo. Singy hisy pifehy hanapisy gny avognavony dra hahavy gny fireharehany hivaliky ho agny aminazy avo. 19Dra ho liana amigny fiarova fatrasigny taniny avo izy, saingy ho tafitohina izy dra ho lavo; dra sy ho hita.20Dra hisy olo hisanga handimby gny pilasiny zay hampandalo pamory hetra raiky noho gny amigny famirapiratan'ny fazakana. Fa amigny andro magnaraky eo dra ho torotoro izy, fa sy amigny hatezera na amigny aly. 21Olo nisonisoavy zay sy ba home'ny olo gny voninahisy gny fahefan'ny pazaka gny handimby gny toera; ho avy tapoky izy dra hangalaky gny fazakana akafesena. 22Hisy tafiky raiky ho voafaoky manahaky gny safo-drano eo alohany. Samby ho ringan'aby zay tafiky zay vo gny pitariky gny fagneke.23Amigny fotoa zay hanova fifagnaraha mindray aminazy, dra hamitapitaky izy; vahoaky siapy agnisa fosiny gny hahavy anazy hatazaky. 24Ho avy agny amigny faritany mana-karena indrindra sy hapitandry akory izy, dra sy hanao zay nataon'ny babany na gny dadabeny izy. Hapiely reo voasambosy, reo babo, dra reo harena eo ami'reo pagnaralia anazy izy. Hitetiky gny fagnongagna gny fiarova fatrasy izy, fa selasela avo.25Hanokaky gny heriny izy dra gny fony hanohisy gny pazakan'ny asimo amigny tafiky goava. Hananga aly amigny tafiky lahibe, tena mahery gny pazakan'ny asimo. saingy sy hianga izy satria hikonikoniky hanohisy anazy gny hafa. 26Na iza mihina gny hanipiny aza dre hitalia hamotiky anazy. Ho voaraoky manahaky gny safo-drano gny tafiny, dra maro ami'zay reo gny ho lavo voavono. 27Samy hitoboky eo amigny latabasy raiky avo reo pazaka reo, amigny fin'izy reo mikasiky hifanao rasy, hifavandy ai ami'zay reo, saingy sy hisy dikany zay, Fa ho avy gny farany amigny fotoa zay fa voatondro.28Hihery agny amigny taniny mindray amigny harem-be gny pazakan'ny avarasy, mindray amigny fony manohisy gny fagneke masy. hiasa izy dra haly agny amigny taniny avo avy eo.29Amigny fotoa voatondro dra hihery izy dra ho avy hanohisy gny asimo ndraiky. Fa amitiky ndraiky mandeha itiky dra sy ho manahaky gny teo aloha. 30Fa ho avy hanohisy anazy reo sambon'i Kitima, dra hazary hatahosy dra hiemosy izy. Ho sosotra amigny sitraky ami'reo zay mahafo gny fagneke masy.31Hisanga gny heriny dra hanota-faly gny ferova mafinigny fitoera masy. Halan'ereo gny fagnatisy oroa mahazasy, dra hapetrak'ereo gny fahavetaveta ze mahaavy faharava. 32Gny amireo ze rasy fagnahy tamigny fifagneke, dra ho fitahiny reo dra ho sola toera. Saiky reo olo ze mahalala gny Zagnaharin'ereo dra hahery dra hiasa.33Reo ze hendry eo amigny olo gny hapahay gny maro. Fa ho lavo-sabasy vo gny lela afo ereo; ho lavo agny amigny fahababoa vo gny fanola mandrisy gny andro maro ereo. 34Amigny fahalavoan'ereo, dra ho voze amigny famizena kely sy misy dikany ereo. Hikamba amin'ereo am-pihasarambelasigny gny maro. 35Ho lavo gny ilany amireo hendry hany ka ho avy amin'ereo gny fandiova, gny fanasa, dra fandiova, ambara-pahavianigny fotoa gny farany. Fa bo ho avy avo gny fotoa voatondro.36hanao araky ze iriny gny pazaka. Hanandra-tegna izy dra hanao gny vatany ho lahibe agnabonigny Zagnahary aby. Hizaka raha manohy hanohisy gny zagnahariny gny zagnahary izy, fa hahomby ambara-pahataterahanigny fahasiaha izy. Fa hatao ze fa nididy. 37Sy ba hiraharaha reo zagnahary gny razany izy na gny zagnahary gny razany izy na gny zagnahary siriritinigny apela. Dra sy hiraharaha ze mety ho zagnahary aby izy. Fa hanao gny vatany ho agnabonigny olon'aby izy.38Hakalaza gny zagnahariny gny ferova fatrasy izy fa sy reo. Zagnahary ze sy neken'ireo razany gny home haza amigny volamena vo volafosy, amigny vato soa vo fagnomeza sarobily zay. 39Hanafiky reo ferova fatrasy faratapony izy amigny fagnapianigny zagnahary hafa. Ze magneky anazy aby, dra hameny voninahisy be. Hataony panapaky eo amigny olo maro reo, dra hozarany ho valisoa gny tany.40Amigny fotoanigny farany gny hanafiky gny pazakanigny Asimo. "Hamely anazy amigny kalesy vo mitikisy sovala, dra sambo maro gny pazakanigny Avarasy.Ho avy hanohisy reo tany izy, hagnegniky anereo, dra hamakivaky anizay. 41Handeha agny amigny taninigny fahasoava izy, dra Israelita agnalignaly gny ho lavi. Fa itahoky gny ho tafenga amigny tagnany: Edoma, Moaba, dra reo sisa tamigny vahoakin'i Amona.42Hagnitasy gny tagnany amireo tany izy; dra sy havota gny tany Egypta. 43Hifehy gny rakisy volamena vo volafosy izy, dra gny harenigny Egypta aby; ho eo atombony reo Lybiana vo reo Etiopiana.44Fa hapihorohoro anazy gny vaovao avy agny asignana vo avarasy, dra handeha hiboaky amigny fahasiaha lalibe izy ba handravarava tateraky dra hanoka gny maro ho ringany. 45Hametraky gny lainigny fonegnanigny pazakany eo agnelagnelanigny ranomasy vo gny tendrombohisy gny fahasoanigny fahamasigna izy. Ho avy amigny fiafarany zay, dra sy hisy hamozy anazy.
Chapter 12

1Amin'izay fotoa zay i Mikaela, gny andriandahy lahibe ze miamby gny vahoakinddrareo, dra hisanga. Hisy fotoa fahoria ze sy bo nisy hatramy niandoha gny firenena hatramin'izay andro zay. Amin'izay fotoa zay gny vahoakinao dra voavozy, dra zay aby hita fa voasirasy anara ao amy boky.2Maro amin'izay mandry amy botany gny hisanga , gny sasany ho amy fiaigna mandrakizay dra gny gnilany ho amy fahamegnara vo fagnamavoa mandrakizay.3Reo zay hendry dra hamirapirasy manahaky gny hazavany lagnisy agnabo, dra reo hagnery gny maro amy fahamarigna , dra manahaky vasia mandrakizay doria. 4Fa ianao, ry Daniela, ahorony reo tegny reo;ahazao ho voa tombokase gny boky mandra-pahaviny fotoa farany. Maro gny hilomalomay ehoky vo erahoky , dra hitombo gny fahalala.''5Dra zaho, Daniela, Nignety, ka nisy ro hafa nisanga.Gny raiky nisanga teto amorony ony, dra gny raiky tamin'ereo nizaka taminigny lelahy miakazo rongony fosy, zay teo agnabony ony ho:''''Mandraky ombia gny hiafarany tahokiy raha-mahalasa tahoky?''7Reko gny lelahy miakazo rongony fasy , zay teo agnabony ony-nanandrasy gny tagnany ankavana vo gny tagnany ankavia tamy lagnisy izy ka nihania taminigny raiky ze velo mandrakizay fa ho fotoa raiky, fotoa ro, vo asasam-potoa zay. Fa gny nitorotort avo gny heriny olo masy , dra ho tateraky avo koa reo raha aby reo.8Nandre zaho, fa sy nahatakasy. Dra nagnotany zaho ho: ''Ry tompoko, ino gny ho vokasy amin'ireo raha aby reo?'' 9Hoy izy:''Mandehana amy lalanao, ry Daniela, fa gny zaka dra fa voahoro vo voaisaky tombokase mandra-pahaviny fotoa farany.10Maro gny ho liovy, ho voasasa, dra ho voafosy, fa gny rasy fagnahy hanao faharasia. Sy hisy amigny rasy fagnahy hahatakasy, fa reo zay hendry gny hahatakasy. 11Hatramigny fotoan'ny fapisahara gny fagnatisy oroa mahazasy vo gny fametraha gny fahavetaveta zay minday gny fandrava tanteraky, dra hisy andro 1 290.12Sambasy zay mandigny hatramigny fiafaran'ny 1. 335 andro. 13Sy maisy mandeha amigny lalanao hatramigny farany hanao, dra hisahasy hanao. Hisanga eo amigny toera voatondro ho anao hanao, ami'reo amdro farany.''

Hosea

Chapter 1

1Zeho gny zakan'i Yaveh ze avy tamin'i Hosea zanadahin'i Bery tamin'gny andron'i Ozia, Jotama, Ahza vo Hezekia, pazakan'gny Joda, vo tamin'gny andron'i jeroboama zanadahin'i Joasy, pazakan'Israely. 2Vo Yaveh no nizaka tamin'gny alalan'i Hosea volohany, dra ho Izy taminazy ho: " Mandehana, mangala valy ze pizangazanga ho aniha. Hanan-zanaky zay voakasy gny fizangazanga izy. Fa manao fizangazanga lahibe amin'gny fahafoiza an'i Yaveh gny tany.3Koa dra lasa i Hosea dra nanambaly an'i Gomera zanak'apelan'i Diblaima, dra niteo-zaza izy dra niteraky zazalelahy taminazy. 4Ho Yaveh tamin'i Hosea ho: "Ahivo ho Jezirela gny agnarany. Fa ao agnatin'gny fotoa fohiky dra hagnasazy gny hasaveregnan'i Jeho Zaho nohon'gny fandasahan-dio tagny jezirela, sady hanapisy gny fanzakan'gny hasaveregnan'Israely Zaho. 5Amin'izeho andro zeho dra tapahiko ao amin'gny Lohasahan'i Jezirela gny sipikin'Israely."6Nitoe-zaza ndraiky i Gomera dra niteraky zazapela. Dra ho Yaveh tamin'i Hosea ho: "Ahivo ho Lo-rahama gny agnarany, fa sy hana indra-fo amin'gny hasaveregnan'Israely sasy Zaho, dra sy engako mihisy gny helok'ereo. 7Fe koa hana famindram-po amin'gny hasaveregnan'i Joda Zaho, dra hagnavosy andreo gny vatako, YAveh Zagnaharin'ereo. Sy hamonzy andreo amin'gny sipiky, mesa, aly, sovaly, na pitikisy sovaly Zaho."8Vo nofa boaky napisara-nono an'i Lo-rohama i Gomera, dra nitoe-zaza9 dra niteraky zazalelahy hafa ndraiky izy. Dra ho Yaveh ho: "Ahivo ho Lo-amy gny agnarany, fa handrareo dra sy ho vahoakiko, vo Zaho sy Zagnaharindrareo.10Fa gny isan'gny hasaveregnan'Israely koa dra manahaky gny fasiky egny amoron-dranomasy, ze sy hay afatry na isay. Vo amin'gny toera ze nizaka tamin'ereo ho: 'Sy oloko handrareo,' gny izaka amin'ereo ho: 'Olom'gny Zagnahary velo handrareo.' 11Hivory gny ponin'i Joda vo gny ponin'Israely. HAnendry pitariky raiky ho andreo ereo, dra hiakasy lat'amin'gny tany ereo, fa ho lahibe gny andron'i Jezirela.
Chapter 2

1Zakao amin'ireo rahalahiniha ho: 'Ry vahoakiko! vo amin'ireo anabaviniha ho: 'Fa nanehoa fangoraha handrareo.'"2Manaova fitoria hanohisy gny reniniha, Manao fitoria, akory sy valiko izy, vo Zaho sy valiny. Aoky izy hangalaky gny fivarotam-batany sy ho eo agnoloany, vo reo fihesiky fizangazangany sy ho eo agnelagnelan'gny nonony. 3No sy zay, haboridako izy dra hasehoko gny fitanzahany manahajy gny andro nahaterahany. Hahiko manahaky gny efisy izy, manahaky gny tany karakay, sady hahiko matin'gny hetaheta izy.4Sy hana indra-fo amin'ireo zanany Zaho, akory zanaky gny favarotan-tegna ereo. 5Akory gny renin'ereo dra fa pivaoro-bata, dra izy ze nanday vohoky andreo dra fa nanao fihesiky mahamegnasy. Ho izy ho: "Hagnaraky reo olon-tiako zaho. akory ereo nagnome mofo vo rano ho anahy, gny volon'agnondry vo gny rongoniko, gny dililoko vo rano.6Noho zeho dra hananga fefy misy silo hanaka gny lalany Zaho. Hananga fefy hanohisy anazy Zaho dra sy hahita gny lalany izy. 7Hagnitriky reo olon-tiany izy, fe sy hahatrasy andreo.Hitalia andreo izy, fe sy hahita andreo. Dra hizka izy bokeo ho: "Hihery amin'gny valiko volohany zaho, akory zeho gny mety aminahy kokoa noho zao."8Akory sy fatany fa Zaho gny nagome anazy vary, divay vaovao vo dililo, sady nanafotafo volafosy vo volamena anazy, ze napesan'ereo ho an'i Bala bokeo. 9Dra halaiko ndraiky gny variny amin'gny fotoam-pizinza, vo gny divaiko vaovao amin'gny fotoany.Halaiko ndraiky gny volon'agnondriko vo gny rongoniko ze napesany so hagnovonia gny fitanzahany.10Dra hengako hitanzaky eo amason'ireo olom-tiany izy, dra sy hisy ndre ia ndre ia hahavonzy anazy eo an-tagnako. 11Hapizano gny fakalazany aby avo koa Zaho--- reo fanasany, reo fakalazany gny volagny vaovao, reo Sabatany, vo reo andro firavoravoany voatondro aby.12" Hamotiky reo volobokiny vo reo hazon'aviaviny Zaho, ze fa nizakany ho: 'Tahoky gny tamby ze nomen'ireo olon-tiako aby.' Hahiko ho ala reo, vo reo bibin'gny saha hihina anizeho. 13Hagnasazy anazy nohon'gny andro firavoravoan'ireo Bala Zaho, nofa nagnoro ditin-kazo magnisy ho andreo izy, nofa nanaingo gny vatany tamin'gny perasiny vo gny firavakiny izy, dra nagnaraky reo olon-tiany izy dra nagnadino Anahy--- zeho gny fagnambaran'i Yaveh."14Dra fa mby amin'gny fapiheregna anazy Zaho. Handay anazy ho agny an-tany efisy Zaho dra hizaka amim-pitiava aminazy. 15Hapihery reo tanim-boalobikiny Zaho, vo gny Lohasahan'gny Akora ho vavahadin'gny fagnatena. Hamaly Anahy ao izy manahaky gny nahiny tamin'ireo androm-pahatanorany. manahaky gny tamin'ireo andro ze niboahany gny tany Egypta.16" Dra ho amin'izeho andro zeho--- zeho gny fagnambaran'i Yaveh--- dra hitoka Anahy hanao ho: 'Valiko,' dra sy hitoka Anahy sasy hanao ho: 'Balako'. 17Fa ho alako eo am-bavany reo agnaran'ireo BAha; sy ho saroany sasy gny agnaran'ereo."18" Amin'izeho andro zeho dra hano faneke amin'ereo mindray amin'ireo biby agny an-saha, miaraky amin'ireo voro egny amin'gny habakabaky, vo mindray amin'ireo raha mandaly amin'gny tany aby Zaho. Ho alako sy hoamin'gny tany sasy gny sipiky, gny mesa, vo gny aly, dra hahiko mandry fahizay hanao.19Hapagnategna gny ho valiniha mandrakizay Zaho. Hapagnategna gny ho valiniha amin'gny fahamarigna, gny rariny, gny sy fivadiham-paneke, vo famindram-po Zaho. 20Mifata amin'gny vatako amim-pahatokia ho aniha Zaho, dra ho fataniha i Yaveh.21Amin'izeho andro zeho, dra hamaly Zaho--- zeho gny fagnamvarn'i Yaveh--- hamaly gny lagnisy Zaho, vo ireo hamaly gny tany. 22Gny tany hamaly gny vary, gny voloboky vaovao vo gny dililo, vo ereo hamaly an'i Jezirela.23HAmboleko ho Anahy eo amin'gny tany izy dra hana famondram-po ao amin'gny Lo-rohama Zaho. Hizaka amin'i Lo-amy Zaho ho: 'Hanao gny oloko,' vo ereo hanao Aminahy ho: 'Hanao gny Zagnahariko."'
Chapter 3

1Yaveh nizaka taminahy ho: "Mandehana ndraiky, mitiava apela raiky, ze nitiavin'gny valiny, fe pizangazanga. Tiavo manahaky gny itiavako, Yaveh, gny vahoakin'Israely izy, ndre dra mivaliky ho amin'gny zagnaharin-kafa vo mankafy mofo vita amin'gny voloboky aza ereo." 2Dra niviko sekely volafosy dimy amy folo ho Anay vo vary horsea homera raiky sy tapany izy. 3Ho Zaho taminazy ho: "Sy mainsy miaraky mipetraky Aminahy mandrisy gny andro maro hanao.Sy ho pizangazanga hanao na ho an'gny lelahy hafa. Manahaky anizeho avo, gny hiarahako aminiha."4Fa reo olon'Israely dra hiay andro maro sy misy pazaka, andrian-dahy, soro, andry vato, efoda na sapi-kazo. 5Vo bokeo gny olon'Israely dra hihery sady hitalia an'i YAveh Zagnaharin'ereo vo Davida pazakan'ereo, vo amin'ireo andro farany, dra ho avy amin-kovisy eo agnatrehan'i Yaveh vo gny hasoany ereo.
Chapter 4

1Tenoy gny Zakan'i Yaveh, handrareo ry vahoakin'Israely. Manao fitoria amin'gny ponin'gny tany i Yaveh, akory sy misy fahamarigna na faneke mahatoky ao, sy misy fahalala an'Agnahary ao amin'gny taa. 2Misy ozo, vandy, famonoa, halasy vo fizangazanga ao. Nipotehin'gny vahoaky gny fatosy aby, vo gny miapy magnaraky gny fandasahan-dio.3Dra mihamaiky gny tany, sady ketrky ze iaby mitoboky amin'izeho; reo bibi-dia agny an-saha vo gny voro egny amin'gny lagnisy, na gny fia agny agnaty ranomasy aza, dra ala.4Fa ka manenga ndre ia ndre ia hanao fitoria; ka manenga ndre ia ndre ia hiapanga gny hafa. Fa handrareo zeho, ry pisoro, ze apangaiko. 5Ho tafitohy handrareo pisoro mandrisy gny andro; ho tafitohy mindray amindrareo avo koa reo paminany amin'gny hariva, dra ho potehiko gny renindrareo.6Ripaky gny oloko nohon'gny sy fahapian'gny fahalala. Akory fa nanda gny fahalala handrareo pisoro, Zaho avo koa dra handa andrareo amin'gny maha pisoro ho Anahy.Akory nihalignondrareo gny lalagnako, ndre dra Zagnahari ndrareo aza Zaho, dra hagnaligno reo zanandrareo avo koa Zaho. 7Arakaraky gny hitomboan'gny pisoro, gny hanotan'ereo Aminahy. Natakalon'ereo hegnasy gny voninahis'ereo.8Mihina gny fahotan'gny vahoakiko ereo; mangetahetan'gny faharasiany bebe koko ereo. 9Hitovy avo ho an'gny vahoaky vo ho an'ireo pisoro: hagnafay anazy aby nohon'gny fahiny Zaho; hamaly andreo noho gny asany Zaho.10Hihina ereo fa sy ho visy: hagnatateraky fizangazang ereo fa sy hitombo, akory nagnalavisy an'i Yaveh ereo.11a fizangazanga mamoa-fady, divay, vo divay vaovao ereo, ze nangalaky gny fahzavan-sain'ereo. 12Magnotany reo sapiny hazo gny oloko, vo gny tapa-kazon'ereo nagnome faminania ho andreo. Fa namitaky andreo gny fagnahin'gny fizangazanga, dra nanday vata manahaky gny pizangazanga ereo no tokony nahatoky gny Zagnaharin'ereo.13Manao soro egny an-tapon-tendrombohisy ereo sady magnoro ditin-kazo magnisy egny amin'ireo havoa, ambanin'gny hazo oka, popola vo terebinta, akory soa gny alokaloky.Dra fahavetaveta ara-nofo reo zanandrareo apelandrareo, vo reo vinato vavindrareo mizangazanga. 14Sy hagnafay reo zanandrarei apela Zaho nofa misafidy gny hanao fahavetaveta ara-nofo ereo, nagny vinato vavindrareo nofa mizangazanga ereo. Fa reo lelahy avo koa dra manolosy gny vatany ho an'ireo pizangazanga, dra manolosy soro ereo dra afaky manao asa maloto mindray amin'ireo pivaro-bata masy. Dra ho atoraky agny tiky vahoaky ze sy mahay tiky.15Fa hanao, ry Israely, ndre dra nanao fizangazanga aza, dra lonoky ra Joda sy hazary meloky. Ka mandeha agny Gilgala, hanao ry vahoaky; ka mandeha miakasy agny Betavena, sady ka mifata, manao ho: " No bo velo koa Yaveh." 16Fa Israely dra nanday vata tamin'gny hery loha, manahaky gny agnombivavy mafy loha. Akory gny handesan'i Yaveh andreo egny amin'gny fihinanam-bilo manahaky gny zanak'agnondry agny amin'gny tanin'ahisy.17Napiray gny vatany tamin'ireo sapy i Efraima; engao ho raiky izy.18 Ndre dra lany aza gny raha finomy maherin'ereo, dra manohy gny fizangazanga ereo; makafy fatrasy gny hegnas'ereo gny panapany. 19Handrakosy andreo amin'gny elasiny gny sioky; dra ho megnasy ereo noho gny amin'gny soron'ereo.
Chapter 5

1" Tenoy zeho, ry pisoro! Manongila sofy, ry hasaveregnan'Israely! Mitenoa, ry hasaveregnan'gny pazaka! Fa gny fisara dra avy hanohisy andrareo aby. Fa fandriky tagny Mizpa hanao vo harato nivelasy tagny amin'gny Tabara. 2Reo pikomy mikiry fatrasy amin'gny famonoa, fa Zaho gny hagnasazy anazy aby reo.3Fatako Efraima, vo Israely sy mivony aminahy. Ry Efraima, androany hanao dra nazary manahaky gny pivaro-bata; voaloto Israely. 4Sy hanenga andreo hihery amin'Agnahary reo asany, akory gny fagnahin'gny fizangazanga gny ao amin'ereo, sady sy fatan'ereo Yaveh.5Gny fireharehan'Israely dra vavolombelo manohisy anazy; dra ho tafitohy amin'gny fahamelohan'ereo Israely vo Efraima; vo Joda avo koa dra ho tafitohy mindray amin'ereo. 6Handeha hindray amin'gny agnondry aman'osiny vo agnombiny ereo so hitalia an'i Yaveh, fa sy hahita Anazy ereo, akory nangalaky gny vatany tamin'ereo Izy. 7Sy nahatoky an'i Yaveh ereo, fa niteraky zaza sy araky gny lalagna ereo. Androany gny firavoravoan'gny voloham-bola gny handevogna andreo mbamin'ireo sahany.8Siofy ao Gibea gny anzomara, vo ao Rama gny asiva. Manaova korakin'aly ao Betavena ho: 'Hagnaraky aniha zahay ry Benjamina!'9 Ho lao Efraima amin'gny andron'gny fagnasazia. Teo amin'ireo fokon'Israely gny nagnambarako ze sy mainsy hitranga.10Reo pitarik'i Joda dra manahaky reo mamindra fefy vato. Hararako manahaky gny rano amin'ereo gny fahavignirako. 11Torotoro Efraima;torotoron'gny fisara izy, akory nandeha tamin'gny sitra-pony hagnaraky sapy.12Dra hanahaky gny kalalao amin'i Efraima Zaho, vo sahala gny bobongolo amin'gny hasaveregnan'i Joda. 13Nofa hitan'i Efraima gny aretiny, dra hitan'i Joda gny ratriny, dra nadeha tagny asyria i Efraima, vo Joda nandefa panday hafasy ho agny amin'gny pazaka lahibe. Fa sy afaky nisabo andrareo izy ry olo na nagnasitra gny ratrindrareo.14Dra hanahaky gny liona amin'i Efraima Zaho, vo hanahaky gny liona tanora amin'gny hasaveregnan'i Joda. Zaho, eka Zaho, gny hamiravira sady handeha; ho andesiko ereo, dra sy hisy hagnavosy andreo. 15Handeha Zaho dra hihery agny amin'gny toerako, mandra-pagneken'ereo gny helony dra hitalia gny tavako, mandra-pitalian'ereo Anahy fatrasy amin'gny fahorian'ereo."
Chapter 6

1" Avia, ndao sika hihery amin'i Yaveh. Fa nanototoro asika Izy, fe hagnasitra asika; nandrasy asika Izy, fa hamehy gny ferisika. 2Afaky ro andro dra hamelo asika ndraiky Izy; hananga asika Izy amin'gny andro fahatelo, dra ho velo eo agnoloany sika. 3Aoky hahafatasy an'i Yaveh sika; aoky ho dodona hahalala an'i Yaveh sika. Gny fiposahany dra azo atoky manahaky gny mangiran-drasy; ho avy amisika manahaky gny ranon'ora Izy, manahaky gny loharanon'ora ze manondraky gny tany."4Ry Efraima, ino gny hahiko mindray aminiha? Ry Joda, ino gny hahiko mindray aminiha? Gny fahatokia dra sahala gny rahon'gny maraindray, manahaky gny ando ze selasela dra lasa. 5Dra nikapakapaiko tamin'gny alalan'ireo paminany ereo, novonoko tamin'gny alalan'gny zakan'gny vavako ereo. Reo lalagnaniha dra manahaky gny hazava ze mamirapirasy.6Fa fahatokia gny iriko fa sy soro, vo gny fahafatara an'Agnahary noho gny fagnatisy orroa. 7Sahala an'i adama dra namaliky gny faneke ereo; sy nahatoky Anahy ereo.8Gileada dra tanan'gny panao rasy mindray amin'gny dian-tomboky mihoson-dio. 9Manahaky gny fiambenan'gny andia malaso olo, gny hikamban'ireo andia pisoro hamono olo agny amin'gny lala magnagny Sekema; nanao heloky ereo.10Tao amin'gny hasaveregnan;'Israely gny nahitako raha mahasiravy; gny fivarota-batan'i Efraima gny ao, vo Israely dra nazary naloto. 11Fa ho aniha avo koa, ry Joda, dra fa voatondro gny fotoam-pizinza, nofa hapihery gny haren'gny oloko Zaho.
Chapter 7

1Isaky gny ta-hagnasitra an'Israely Zaho, dra miseho gny fahotan'i Efraima, vo gny asa rasin'i Samaria, akory mamitaky ereo; avy gny pangalasy, vo gny andia pandroba manafiky egny an-dalambe. 2Sy sapan'ereo tao am-pony fa saroako gny asa rasiny aby. Amizao mihodidy eo amin'ereo gny asany; magnoloa gny tarehiko reo.3Faly tamin'gny faharasian'ereo gny pazaka, vo tamin'gny vandiny gny manam-pahefa.4 Izy aby dra pizangazanga, manahaky gny laforo nafanain'gny panao mofo, ze mizano misoron'afo hatramin'gny famolavola gny foto-koba dra mandra-pitombon'izehi. 5Tamin'gny andron'gny pazakasika reo manam-pahefa dra nakarary gny vatany tamin'gny hafanan'gny divay. Nagninzisy gny tagnany tamin'ireo ze nagneso anazy.6Fa amin'gny fo manahaky gny laforo, gny hieregnany reo tetiky famitahan'ereo. Mirehisy mandrisy gny hariva totolo gny hahorian'ereo; gny amin'gny maraindray dra mirehisy manahaky gny afo midedadeda zeho. 7Izy aby dra mafana manahaky gny laforo, sady mandrapaky reo ze manapaky eo amin'ereo. Fa lavo reo pazakany aby; sy nisy nitoka Anahy ereo.8Nifangaro tamin'ireo olo i Efraima. Mofomamy fisaky ze sy bo navaliky i efraima. 9Fa nandevo gny reo firene hafa, fe sy fatany zeho. Volo fosy gny mifafy aminazy eo, fe sy fatany zeho.10Gny avognavon'Israely dra vavolombelo miapanga anazy; ndre zeha aza, dra sy nihery tamin'i Yaveh Zagnahariny ereo, na nitalia Anazy, ndre dra teo aza zeho iaby zeho. 11Efraima dra manahaky gny voromailala, minomino fahatany sady sy misy zay, mitoka fatrasy agny Egypta, boakeo nitily ho agny Asyria.12Nofa mandeha ereo, dra ho velariko eo amin'ereo gny haratoko, hazosoko gny voron'gny lagnisy ereo. Hagnasazy andreo ao amin'gny firohotany Zaho.13 Lozan'ereo! Fa nilefa Anahy ereo! Avy amin'ereo eo gny fandringana! Nikomy taminahy ereo! Tokony hagnavosy andreo Zaho, fe nizaka vandy taminahy ereo.14Sy nihiaky taminahy tamin'gny fony aby ereo, fa midradradradra eo am-pandriany. Mindray mivory ho an'gny vary vo gny divay vaovao ereo, dra mivio miala Aminahy. 15Ndre dra napianasy andreo sady nagnafatrasy gny sandriny aza Zaho, dra miteti-drasy hanohisy Anahy ereo amizao.16Mihery ereo, fe sy mihery Aminahy, gny Avo Indrindra. Manahaky gny sipiky miraviravy ereo. Ho lavo amin'gny mesa nohon'gny fizakam-pahatan'gny lelany gny manam-pahefan'ereo. Zeho gny ho zary fagnesoan'ereo ao amin'gny tany Egypta.
Chapter 8

1" Ametraho anzomara eo amin'gny sogniniha! Misy voromahery avy eo amin'gny fasangen'i Yaveh akory nandika gny fanekeko sady nikomy nanohisy gny lalagnako gny olo. 2Mitaray Aminahy ereo ho: 'Ry Zagnahariko, zahay aty Israely dra mahafatasy Aniha.'3 Fe Israely dra fa nagnary ze soa, vo gny fahavalo hagnitriky anazy.4Fa nametraky reo pazaka ereo, fe sy boaky taminahy. Fa nametraky andrian-dahy ereo, fe sy tamin'gny fahalalako. Tamin'gny volafosiny vo gny volamenany gny fa nagnamboarany gny sapy ho an'gny vatany, fe zeho dra bo hamongora andreo avo."5 "Nilavy gny zanak'agnombiniha, ry Samaria. Mirehisy amin'ireo olo reo gny hahoriako. Fa mandra-pombia gny hizano ho meliky ereo?6a zeho sapy zeho dra avy tao Israely; gny piasa gny nanao anizeho; sy Zagnahary zeho! Ho tetitetehy gny zanak'agnombin'i Samaria. 7Fa gny olo mamafy sioky dra mizinza talio. Sy misy salohiny gny vary misiry egny an-saha; sy misy vetiny gny vokas'izeho. No lasa matoy zeho, dra handrapaky anizeho gny vahiny.8Dra voately Israely; androany mavandy eo amin'ireo firene manahaky gny raha sy misy ila anazy ereo. 9Fa niakasy tagny Asyria manahaky gny ampondra-dia mandeha raiky ereo. Fa nagnakarama pitia gny vatany i Efraima. 10Ndre dra fa nagnakarama olon-tia eo amin'ireo firene aza ereo, androany dra hamory andreo miaraky Zaho. Hanomboky hihaosa ereo nohon'gny fapahorian'gny pazakan'ireo andrian-dahy.11Fa napitomo reo alitara ho an'gny fagnatisy noho gny ota i Efraima, fe fa nazary alitara ho amin'gny fanota zeho. 12Afaky nanorasy gny lalagnako ndraiky hariva ho andreo Zaho, fe ereo handramby anizeho manahaky gny raha hafahafa aminazy.13No gny amin'ireo soron'gny fagnatiko, dra manao soro hena ereo dra mihina anizeho, fe Zaho, Yaveh, dra sy magneky reo. Androany hieriserisy gny mahakasiny gny helony Zaho dra hagnasazy gny amin'gny otany. Hihery agny Egypta ereo. 14Israely dra fa nagnaligno Anahy, Panao anazy, sady fa nagnory lapa. Fa nagnamafy tana maro i Joda, fe handefa afo eo amin'ireo tanany Zaho; handripaky reo ferovany fatrasy zeho.
Chapter 9

1Ka mifaly, amin'gny hafalia manahaky reo olo hafa, ry Israely. Fa sy nahatoky hanao, nahafo gny Zagnahariniha. Tianiha gny mandoa gny karama agnatahin'gny pivaro-bata amin'gny famoloa aby. 2Fa gny famoloa vo gny famiaza dra sy hamaha andreo; handiso fagnatena andreo gny divay vaovao.3Sy hitoesy ao amin'gny tanin'i Yaveh sasy ereo; fe koa, hihery agny Egypta i Efaima, vo ndraiky andro ereo dra hihina sakafo maloto agny Asyria. 4Sy handraraky fagnatisy divay ho an'i Yaveh ereo, na hankasitrahiny. Hanahaky gny sakafon'gny pandala aminazy gny soron'ereo: ze iaby mihina anizeho dra ho voaloto. Fa gny sakafon'ereo dra ho andreo avo; sy hilisy gny fasangen'i Yaveh zeho.5Ino gny ho aindrareo amin'gny andron'gny firavoravoa voatondro, amin'gny andron'gny firavoravoa ho an'i Yaveh? 6Fa, ingo, no afaky milefa amin'gny fandripaha ereo, dra hamory andro Egypta, vo handevy andreo i Memfisa. No gny amin'ireo hare volafosin'ereo--- ho lasan'gny silo maragnisy reo, vo hameno gny lain'ereo gny silo.7Ho avy gny andro fatrokafa; avy gny andro famalia. Aoky ho fatasy gny Israely aby reo raha reo. Mola gny paminany, vovery say gny olo azon-sindrimandry, nohon'gny helokindrareo lahibe vo gny fandrafiandrareo lahibe.8Gny paminany gny piamby an'i Efraima hoan'gny Zagnahariko. Fa misy fandri-boro amin'gny lalany aby, vo gny falegnany anazy dra ao am-pasangen'gny Zagnahariny. 9Fa nanimba toetry fatrasy manahaky gny tamin'gny andron'i Gibea ereo. Ho saroan'Agnahary gny helok'ereo, dra ho faiziny gny fahotan'ereo.10Ho Yaveh ho: "Nofa an'Israely Zaho, dra manahaky gny ho nahita voaloboky tagny an'efisy. Manahaky gny voloham-bihin'gny fotoan'gny aviavy, dra nahita gny razambendrareo Zaho. Fa nagnagny Bala-peora ereo, dra nanoka-bata tamin'izeho sapy mahamegnasy zeho. Nazary mapadikidiky sahala gny sapy nitiaviny ereo.11No gny amin'i Efraima, dra hitily manahaky gny voro gny voninahis'ereo. Sy hisy fahateraha, sy hisy fanagnan'anaky, sady sy hisy torotorogny. 12Ndre dra niteza zaza aza ereo, dra ho alaiko ereo dra sy hisy ho tavela. Loza ho andreo nofa mivaliky amin'ereo Zaho!13Fa nahita na'i Efraima Zaho, manahaky an'i Tyro, nambole teo amin'gny tanin'ahisy, fa Efraima dra handay reo zanany ho agny amin'gny olon-kafa ze hamono andreo." 14Omeo ereo, ry Yaveh--- ino gny homeniha andreo? Omeo troky sy mahazo zaza vo nono ze sy magnome ronono ereo.15" Noho gny faharasian'ereo aby tagny Gilgala, ze nankalegnako andreo volohany. Noho gny asan'ereo feno fahota, dra ho roasiko hiboaky gny fasangeko ereo. Sy ho tia andreo sasy Zaho; pikomy aby reo manam-pahefan'ereo.16Misy arety Efraima, sady amiky fakan'ereo; sy mamoa reo. Ndre dra manan-zanaky aza ereo, dra ho vonoko gny zanaky malalan'ereo."17 Ho arin'gny Zagnahariko ereo aory sy nagneky Anazy. Hazary pirerirery eo amin'ireo firene ereo.
Chapter 10

1Israely dra voaloboky mandrobo ze mamokasy gny vihiny. Araky gny nitomboan'gny vihiny, gny hamaro gny alitara nahiny. Araky gny namokaran'gny taniny maro, gny nagnasoavany reo andrim-batony. 2Mamitaky gny fon'ereo; androany dra sy mainsy hibaby gny helony ereo. Ho arodan'i Yaveh gny alitaran'ereo; ho ravany reo andim-batony.3Fa hizaka ereo ho: "Sy mana pazaka sika, akory sika sy natahosy an'i Yaveh, vo gny pazaka--- ino gny mety ho ahy amisika?" 4Nizakazakany fahatany ereo dra nanao faneke tamin'gny fiainan-sy to. Dra nisismoky manahaky gny ahi-drast misy poizy egny am-bavasa egny an-saha gny rariny.5Gny ponin'i Samaria dra hatahosy noho reo agnombin'i betavena. Nandala teo amin'ereo gny vahoakiny, manahaky gny nahin'ireo pisoro panopo sapy ze fa niravoravo teo amin'ereo vo gny famirapitaran'ereo, fe sy agny sasy ereo. 6Ho andesy agny asyria ho fagnomeza ho an'gny pazaka lahibe ereo. Ho afa-baraky Efraima, dra ho menasy amin'ireo sapiny Israely.7Ho rava manahaky gny tapa-kazo eo ambony rano gny pazakan'i Samaria. 8Ho rava gny toera abon'gny faharasia aby. Zeho gny fahotan'Israely! gny silo vo gny ahisy dra hitombo eo amin'gny alitaran'ereo. Hizaka amin'gny tendrombohisy gny vahoaky ho: "Sarony zahay!" vo amin'gny havoa ho: "Milavoa aminay!"9" Ry Israely, fa hatramin'gny andron'i Gibea hanao gny nanota; tagny hanao gny nitoesy. Sy hahatratry reo zanaky gny rasy ao Gibea se gny aly?10No sitrako zeho, dra hagnafay andreo Zaho. Hindray hivondro hanohisy andreo gny firene dra hametraky andreo amin'gny fatotry noho gny helok'ereo misoso. 11Efraima dra agnomy vavy keliky voafolaky ze tia mively vary, dra hagnisy zioga eo amin'gny vozony soa tarehy Zaho. Hanisy zioga eo amin'i Efraima Zaho; hiasa tagny i Joda; Jakoba avo gny hisinto gny fandravogna.12Mamafaza fahamarigna ho an'gny vatandrareo, dra zinzao gny Mamafaza fahamarigna ho an'gny vatandrareo, dra zinzao gny sy fivadiham-paneke. Vakio gny tany mbo sy nohasaindrareo, fa fotoa hitaliava an'i Yaveh zao, mandram-piaviny vo handasahany fahamarigna eo amindrareo. 13Fa namboly faharasia handrareo; dra nizinza gny sy rariny. Fa nihina gny vihin'gny fitaky handrareo akory nahatoky reo paikalindrareo vo reo miaramilandrareo maro.14Dra hisy tabataba'aly eo amin'ireo vahoakiniha, dra ho rava reo tananiha voaaro fatrasy aby. Hanahaky an'i Bet-arbela niravan'i Salamana tamin'gny andron'gny aly zeho, nofa torotoro nindray tamin'ireo zanany reo regny.15 Dra niseho aminiha zeho, ry Betela, noho gny halahiben'gny faharasianiha. Vo marandray gny hangala tateraky gny pazakn'Israely."
Chapter 11

1" Tamy mbo tovolahy Israely dra nitiaviko, dra nitoka gny zanadahiko hiboaky an'i Egypta Zaho. 2Arakaraky gny nitokava andreo, gny nagnalaviran'ereo Anahy. Dra nanao soro ho an'i Bala sady nagnoro gny ditin-kazo magnisy ho an'gny sapy ereo.3Fe Zaho gny napianasy an'i Efraima handeha. Zaho gny nitrotro andreo teo amin'gny sandriny, fe sy fatan'ereo fa nikarakara andreo Zaho. 4Tamin'gny kofehin'gny maha-olombelo gny nitaritako andreo, tamin'gny fatoran'gny fitiava. Manahaky gny olo ze nagnameva gny zioga teo amin'gny valagnoran'ereo Zaho, dra niondriky teo amin'ereo Zaho dra namaha andreo.5Sy hihery agny amin'gny tanin'i Egypta se ereo? Sy hanapaky eo amin'ereo se Asyria akory manda gny hihery aminahy ereo? 6Hilasaky amin'gny tanan'ereo gny mesa dra hamotiky gny hilin'gny vavahadiny; handrava andreo zeho noho gny tetik'ereo avo. 7Nanapa-kevisy gny hiala aminahy gny oloko. Ndre dra mitoka Gny Avo Indrindra aza ereo, dra sy hisy ndre raiky aza hagnapy andreo.8Akory gny hagnengako aniha, ry Efraima? Akory gny hanolorako aniha, ry Israely?Akory gny hanaovako aniha manahaky ani'i Adma? Akory gny hanaovako aniha manahaky an'i Zeboima? Niova gny tao agnatin'gny foko; fa niakasy gny fangoraham-poko aby?9 Sy hagnatateraky gny fahavignirako Zaho; sy handripaky an'i Efraima sasy. Fa Zagnhary Zaho fa sy olo; Zaho gny Masy eo amindrareo, dra ho avy amin'gny hahoria Zaho.10Hagnaraky an'i Yaveh ereo; dra hierosy manahaky gny liona Izy. Nofa mierosy Izy, dra ho avy am-pangitangitaha lat'agny andrefa reo zanany. 11Ho avy am-pangovita manahaky gny voro lat'agny Egypta ereo, manahaky gny voromailala lat'agny amin'gny tanin'i Asyria. Hapitoeriko ao an-tragnony ereo--- zeho gny fagnambaran'i Yaveh.12Holilinin'i Efraima amin'gny vandy zaho, vo gny taranak'Israely amin'gny fitaky. Fe Joda dra mbo mindray aminahy, Zagnahary , sady mahatoky Anahy, gny Raiky Masy."
Chapter 12

1Efraima mihinan-sioky dra magnaraky sioky lat'agny asinagna. Mapitombo isa reo vandy vo herisetry mandrakariva izy. Manao faneke mindray amin'i Asyria dra manday menaky oliva ho agny Egypta ereo. 2Mana aly amin'i Joda avo koa i Yaveh sady hagnafay an'i Jakoba noho reo ze nahiny; hamaly anazy Izy noho reo asany.3Tao an-troky gny nitan'i Jakoba gny rahalahiny tamin'gny vodi-tombony, vo tamin'gny fahalahibiazany gny nialiany tamin'Agnahary. 4Nialy tamin'gny anzely izy dra naharesy. Nitomay sady nitaray ho an'gny sitrany izy. Nahita an'Agnahary tao Betela izy; tagny gny niresahan'Agnahary taminazy.5Zeho gny Yaveh, gny Zagnahary tompon'gny maro; "Yaveh" gny agnarany hitokava Anazy. 6Dra miheregna amin'gny Zagnaharindrareo. Tandremo gny faneke mahatoky vo gny rariny, dra mahadignasa mandrakariva an'Agnaharindrareo.7Gny pivarosy dra mana mizana diso eo an-tagnan'ereo; tia fanambaka ereo.8 Ho Efraima ho: "Nazary nanan-karena be vatany zaho; nahita harena ho an'gny vatako zaho. Sy hahita heloky aminahy amin'gny asako aby ereo, ze iaby mety ho fahota."9"Zaho gny Yaveh Zagnaharindrareo boaky agnyamin'gny tany Egypta. Hatobiko agnaty lay ndraiky handrareo, manahaky gny tamin'gny firavoravoa voatondro. 10Nizaka tamin'ireo paminany Zaho, dra nagnome fahita maro ho andreo ho aniha. Tamin'gny tagnan'ireo paminany nagnomezako fagnohara."11No misy fahasitragna ao Gileada, dra raha fahatany vatany gny olo. Ahin'ereo soro ao Gilgala reo agnombilahy; hanahaky gny antontam-bato ao agnatin'ireo saham-bavasa gny alitaran'ereo. 12Nilefa ho agny amin'gny tanin'i Syria i Jakoba; niasa so hahazo valy i Israely; dra niaraky agnondry aman'osy izy so hahazo valy.13Nanday gny Israely hiboaky gny tany Egypta tamin'gny alalan'gny paminany i Yaveh, vo tamin'gny alalan'gny paminany gny nikarakarany andreo. 14Nahaory fatrasy an'i Yaveh i Efraima. Noho zeho dra hanenga gny liony eo aminazy gny Tompony dra hapihery aminazy gny fahafaham-barakany.
Chapter 13

1" Nofa mizaka i Efraima, dra nisy hovihovisy. Nanandrasy gny vatany tagny Israely izy, fe nazary meloky noho gny fanopoa an'i Bala izy, dra maty. 2Miha-manota ahatragny ereo amizao. Manao sary sokisy vy amin'gny volafosiny eeo, sapy nahy soa araky ze azo nahy, reho iaby reho dra san'gny panao asa tagna. Nizak gny amin'ereo gny olo ho: 'Reo olo ze manao soro reo dra magnoroky zanak'agnomby.'3Dra hanahaky gny rahon'gny maraindray ereo, manahaky gny ando ze mora maiky, manahaky gny akofa ze siofin'gny sioky boaky eo amin'gny famoloa, sady manahaky gny setroky miboaky amin'gny fiboahan-setroky.4Fa Zaho gny Yaveh Zagnaharindrareo boaky amin'gny tany Egypta. Aoky handrareo sy hagneky Zagnahary laha-sy Zaho avo; aoky handrareo hagneky fa ankoasy Anahy, dra sy misy pamonzy hafa. 5Fatako handrareo tagny an-tany efisy, tagny amin'gny tany fahamaiky lahibe. 6Nofa nana ahisy handrareo, dra visy; vo nofa voky handrareo, dra nisandrasy gny fondrareo. Noho zeho antony zeho dra nagnaligno Anahy handrareo.7Ho lasa manahaky gny liona ho andreo Zaho; sahala gny leoparda gny hiambenako magnaraky gny lala. 8Hanzera andreo manahaky gny bera very anaky Zaho. Handriasy gny tratran'ereo Zaho, sady handrapaky andreo eo amanahaky gny liona, manahaky gny hamiraviran'gny bibidia andreo Zaho.9Handripaky andrareo Zaho, ry Israely; ia gny afaky hagnapy andrareo? 10Eza gny pazakandrareo zao, so hagnavosy andrareo agny amin'gny tanandrareo aby? Eza reo pazakandrareo, ze fa nizakandrareo taminahy ho: 'Omeo pazaka vo andrian-dahy zaho'? 11Nagnome andrareo pazaka tamin'gny hahoriako Zaho, sady nangalaky anazy tamin'gny fahavignirako.12Fa nitahirizy gny helok'i Efraima; nitahirizy gny helony. 13Gny fangirifirian'gny fiteraha dra ho avy aminazy eo, fa gny zanadahy dra sy manam-pahendre izy, akory nofa avy gny fotoa ahateraha, dra sy miboaky lat'ao am-bohoky izy.14Hamonzy andreo amin'gny tagnan'gny fiainan-sy hita se Zaho? Hamonzy andreo amin'gny fahafatesa se Zaho? Eza, ry fahafatesa, gny areti-mandripakiniha? Eza, ry fiainan-sy hita, gny fandripahaniha? Mivony amin'gny masoko gny fangoraha."15Ndre dra nanan-karena teo amin'ireo rahalahiny aza i Efraima, dra hisy rivosy boaky agny asinagna ho avy; hisioky lat'agny an-tany efisy gny siok'i Yaveh. Gny loharanon'i Efraima dra ho risy, vo gny fansakany dra hisy rano. Handroba gny tragno fitahiriza gny raha sarobidy aby gny fahavalony.16Ho meloky i Samaria, akory nikomy nanohisy gny Zagnahariny isy. Ho lavon'gny mesa ereo; ho torotoro reo zanany mbo tanora, dra ho triariny reo renin'ereo manday vohoky
Chapter 14

1Ry Israely, miheregna amin'i Yaveh Zagnahariniha, fa lavo tamin'gny helokiniha hanao.2 Mandesa zaka dra miheregna amin'i Yaveh. Zakao Anazy ho: "Alao gny helokay aby dra ekeo ze soa, so ho afaky hanolosy gny vokasy gny sogninay ho Aniha zahay.3Asyria dra sy hagnavosy asika; sy hitikisy sovaly ho agny amin'gny aly sika. Na hizaka amin'gny asan'gny tagnasika sasy ho: 'zagnaharinay hanao,' fa ao Aminiha gny kamboty gny mahazo fangoraham-po."4Hagnasitra gny fivalihan'ereo Zaho; hitia malalaky andreo Zaho, fa hiala aminazy gny hahoriako.5 Hanahaky gny ando Zaho amin'Israely; hamony manahaky gny lilia vo hamaka manahaky gny sedera ao Libanona izy. 6Hisandrahaky reo sapany; hanahaky reo hazon'oliva gny hasoany, vo gny hagnisy mameroverony dra manahaky reo sedera eo Libanona.7Gny olo ze mitoboky ao amin'gny alony dra hihery; ho velombelo manahaky gny vihy ereo dra hisimoky manahaky gny voaloboky. Hanahaky gny divain'i Libanona gny lazany. 8Ry Efraima, ino avo koa gny mbo azoko ahiko amin'gny sapy? Hamaly anazy Zaho dra hikarakara anazy. Manahaky gny kypreso ze maiso ravy mandrakariva Zaho; boaky Aminahy gny hisirian'gny vihiniha."9Ia gny henry dra hahatakasy reo raha reo? Ia gny mahatakasy reho raha reho dra hahay anazy reo izy? Fa mahisy reo lalagnan'i Yave, vo gny mary dra handeha amin'ireo, fa gny pikomy dra ho tafitohy amin'ireo.

Joel

Chapter 1

1Zao gny zakan'i Yaveh ze avy tamin'i Joela zanadahin'i Petoela.2Handrareo loholo, tenoy zao, dra mahareza handrareo pony iaby eo amin'gny tany. Fa nisy ra zeho tamin'gny androndrareo na tamin'gny andron'gny razambendrareo?3Zakao gny mahakasiky anizeho gny zanandradreo, vo aoky gny zanandrareo hizaka gny zanak'ereo, vo gny zanak'ereo magnaraky.4Ze sisan'gny kijeja dra nihanin'gny andiam-balala; ze sisan'gny andiam-balala dra fa nihanin'gny valalavao; vo ze sisan'gny valalavao dra nihanin'gny sompanga.5Mifohaza, handareo ry pimamo, dra mitomagneza! Midradradradra, handadreo aby pino divay, akory gny divay mamy dra nala teo amindrareo.6Fa nisy firene raiky niakasy teo amin'gny taniko, mahery sady sy hita isa. Gny nifiny dra nifin'gny liona, sady mana gny nifin'gny liona vavy izy.7Nahiny toera mapihorohoro gny tanim-boalobokiko sady nitapahiny gny hazon'aviaviko. Nombotany gny holi-kazony dra nariany zeho; reo ransany dra nazary fosy.8Aoky handala manahaky gny viriziny manao akazo fandala amin'gny fahafatesan'gny valiny tanora handrareo.9Gny fagnatisy vihy vo fagnatusy inomy dra nala tao amin'gny tragnon'i Yaveh. Mandala reo pisoro, panopon'i Yaveh.10Rava reo saha, mandala gny tany akory fa simba gny vary. maiky gny divay vaovao, mandamoky gny dililo.11So megnasy, handrareo tansaha, dra midradradradra, handrareo ry pamboly voaloboky, nohon'gny vary tritiky vo gny vary hordea. Fa gny vokasy gny saha dra fa levo.12Nalazo gny voaloboky sady maiky reo hazon'aviavy, reo apongaben-dagnisy, reo hazo palma avo koa, vo reo hazon'gny poma--- nalazo aby gny fifalian'gny taranak'olombelo.13Manaova akazo fandala dra aoky handala, handrareo pisoro! Midradradradra, hadrareo panopon'gny alitara. Magnatogna, andeso matory mandrisy gny hariva manotolo gny akazo fandala, handraareo panopon'gny Zagnahariko. Fagny fagnatisy vihy vo gny fagnatisy inony dra fa nitana ao am-pasangen'gny Zagnaharindrarewo.14Mangataha fifalian-kany masy, dra mangataha fengona masy. Avorio reo lohoho vo reo pony ao amin'gny tanin'i YAveh Zagnaharindrareo, dra mitagnia amin'i Yaveh.15Indrisy ry andro! Fa gny andron'i Yaveh dra fa mariny. Ho avy mindray amin'izay gny famoteha lat'Amin'gny Tsitoha.16Sy fa nala teo amasosika ra gny sakafo, vo gny fifalia vo gny firavoravoa tao amin'gny tragnon'gny Zagnaharisika?17reo vihy dra lo agny ambanin'gny baingan-tanin'ireo, foa reo pamasy. sady potiky reo sompisy. akory nalazo reo vary.18Zeho fierosin'gny biby! Mizaly gny biby fiteza akory sy mana tany fihinanam-bilo ereo. Mizaly avo koa reo andian'Agnondry aman'osy.19Ry Yaveh, mitoreo Aminiha zaho. Fa nolevonin'gny afo reo fihinanam-bilo agny an'efisy, dra lelan'afo gny nagnoro gny hazo aby tagny an-saha.20Ndre reo bisy agny an-saha aza dra midradradradra Aminiha, akory risy gny lohasaha, sady man'gny afo reo fihinanam-bilo agny an'efisy.
Chapter 2

1Siofy gny anzomara ao Ziona, dra apagnenovy gny fanaira agny an-tendrombohisiko masy! Aoky gny ponin'gny tany aby hangitakitany amin'gny tahosy, fa ho avy gny andron'i Yaveh; mariny vataby zeho.2Andron'gny fatrokafa bo gny ezim-pito zeho, andron'gny raho vo gny ezim-pito. Manahaky gny mangiran-drasy ze miely egny amin'ireo tendrombohisy, magnato gny tafiky lahibe sady matazaky. Sy mbo nisy tafiky manahaky tihoky hatrizay, sady sy hisy manahaky anazy sasy, ndre afaran'gny taranaky fara mandimby maro aza.3Gny afo dra mandevo gny raha aby magnoloa anazy, vo ambalik'izeho ao gny lelan'afo dra mirehisy. Gny tany dra manahaky gny saha Edena eo agnoloan'izeho, fe ambalik'izeho ao dra misy efisy foa. Sy hisy ndre ino ndre ino hilefa amin'izeho vatany.4Niendriky manahaky gny sovali reo tafiky, sady milomay manahaky gny pitikisy sovaly ereo. 5Misambiky mindray amin'gny feo manahaky gny an'ireo sarety egny an-tapon'gny tendrombohiay ereo, manahaky gny feon'gny lelan'afo mirehisy ze mandevo gny mololo, manahaky gny tafiky matazaky vono ho amin'gny aly ereo.6Ao agnaty fangirifiria gny olo sady nazary fosy hasatry gny tarehin'ereo aby nofa eo agnatrehan'ereo. 7Milomay manahaky gny pialy matazaky ereo; manganiky reo fefy manahaky reo miaramila pialy ereo; manao liabe amin'gny laharany aby ereo dra sy vaky gny laharany.8Sy mifanosiky ereo; samby mandeha amin'gny lalany aby ereo; mamakivaky gny ferova ereo sady sy rava gny laharany.9Mirohisy egny amin'gny tana ereo, dra milomay egny amin'gny fefy, manganiky reo fasange ereo, sady milisy eo am-baravarakely manahaky gny pangalasy ereo.10Mihorohoro magnolo andreo gny tany, dra miozongozo gny lagnisy, gny masoandro vo gny vola dra mezy, vo gny vasia dra mizano mamirasy.11Manondrosy gny feony magnoloa gny tafiny i Yaveh, akory reo pialiny dra maro agn'isa vatany; akory mahery ereo, ereo ze hagnatateraky gny liliny. Fa lahibe sady mahaory vatany gny andron'i Yaveh. Ia gny ho velo amin'izeho?12" Ka ndre dra amizao aza" ho i Yaveh ho: " Miheregna aminahy amin'gny fondrareo manotolo. Mifalia hany, mitomagnia, dra manaova fandala."13Viravirao avo koa gny fondrareo fa sy gny fitafiandrareo avo, dra miheregna amin'i Yaveh Zagnaharindrareo. Fa mamindra fo sady miantra Izy, sy mora ory sady be famindram-po, dra hiala amin'gny fampindesa fatrokafa Izy.14Ia gny mahay? Vasa hihery ra izy dra hana fangoraham-po, ka hanenga fitahia afarany, dra gny fagnatisy vihy vo fagnatisy inomy ho an'i Yaveh Zagnaharindrareo?15Siofy gny anzomara ao Ziona, mitokava fifalian-kany masy, sady mitokava fivoria masy.16Avorio gny vahoaky, tokavo amin'gny fivoria masy. Vorio reo loholo, avorio gny ankizy mbamin'gny zaza minono. aoky gny papakasy hiala ao an'efitragnony, vo gny apakary hiala an-tragno fandriany.17Aoky reo pisoro, panopon'i Yaveh hitomagny eo agnelagnelan'gny lavaranga filira vo gny alitara. Aoky ereo hizaka ho: " Iantrao gny oloniha, ry Yaveh, dra ka enga ho amin'gny fahafaham-baraha gny lovaniha, dra hesoin'ireo firene. gnino ereo gny tokony hizaka amin'ireo firene ho: Eza gny Zagnaharin'ereo?18Akory dra saro-piaro gny amin'gny taniny i Yaveh dra niantra gny olony.19Namaly gny olony i Yaveh manao ho: " Ingo, handefa vary ho andrareo, divay vaovao, vo menaky Zaho. Ho afa-po amin'izeho handrareo, dra sy hengako ho afa-baraka eo amin'ireo firene sasy handrareo.20Alako lavisy andrareo gny panafiky lat'agny avarasy, dra handay andreo ho eo amin'gny tany karakay sady maiky Zaho. Fny loha-laharan'gny tafik'ereo dra handeha agny amin'gny ranomasy asinagna, vo vodi-lahara ho agny amin'gny ranomasy andrefa. Hiakasy gny fofony, vo gny fofon-drasiny hiakasy." Fa nanao raha lahibe vatany izy.21Ka matahosy, ry tany, mifalia sady miravoa, fa Yaveh hanao raha lahibe.22Ka matahosy, ry biby agny an-saha, fa hisimoky gny ahisy agny an'efisy, hamoa reo hazo, vo gny hazo aviavy vo gny voaloboky hamokasy feno.23Miravoa, ry vahoakin'i Ziona, dra mifalia ao amin'i Yaveh Zagnaharindrareo. Fa ghagnome fararanon'ora sady handasaky ora ho andrareo Izy, fararanon'ore vo gny fararanon-dohatao manahaky gny teo aloha.24Gny famoloa dra ho feno vary, vo gny vata ho feno divay vaovao vo dililo.25" Hapihery amin'gny laoniny reo taon'gny vokasy ze fa nihanin'gny andiam-balala Zaho--- gny valalla lahibe, gny valala pandrava, vo gny valala panimba ho aniha Zaho--- gny tafiko mahery ze nalefa eo amindrareo.26Hihina be dra be handrareo sady ho visy, dra misiriria gny agnaran'i Yaveh Zagnaharindrareo, ze fa nanao fahagaga teo amindrareo, dra sy handay fahamegnara eo amin'gny oloko sasy Zaho. 27Hahafatasy handrareo fa eo amin'Israely Zaho, vo Zaho gny Yaveh Zagnaharindrareo, dra sy misy ankoasy Anahy, dra sy handay fahamegnara eo amin'gny oloko sasy Zaho.28Afaran'izeho ao dra handasaky gny Fagnahiko amin'gny nofo aby Zaho, vo gny zanandrareo lelahy vo gny zanadrareo apela dra haminany. Gny anti-dahindrareo dra hagnonofy, gny zatovondrareo dra hahita fahita.29Amin'iriho andro riho, dra handrosaky gny Fagnahiko eo amin'ireo panopolahy vo panopovavy avo koa Zaho.30Hapiseho fahagaga egny amin'gny lagnisy vo eo amin'gny tany Zaho, dra lio, vo afo, vo setroky miredareda.31Gny masoandro hivaliky hezy vo gny vola ho lio, alohan'gny ahavian'gny andron'i Yaveh ze lahibe sady mapihorohororo.32Ze iaby mitoka gny agnaran'i Yaveh dra ho voavonzy. fa egny amin'gny tendrombohis'i Ziona vo agny Jerosalema gny hisy reo ze tafilefa, araky ze voazakan'i Yaveh, dra eo amin'ireo sisa velo, reo ze nitokavin'i Yaveh.
Chapter 3

1Ingo, amin'izeho andro zeho vo amin'izeho fotoa zeho, nofa hapihery gny sesitanin'i Joda vo Jerosalema Zaho,2dra hamory gny firene aby Zaho, dra handay andreo hizoso eo amin'gny Lohasahan'i Josafata. Hisara andreo egny Zaho, noho gny amin'gny Israely oloko sady lovako, ze niparitahan'ereo teo amin'ireo firene, dra nohon'gny nizaran'ereo gny taniko.3Nanao filoka ho an'gny oloko ereo, dra nivarosy gny zaza lelahy ho an'gny pivaro-bata, sady nivarosy gny zaza apela ho an'gny divay so ho inomin'ereo.4Amizao, nagnino gny ory Aminahy handrareo, ry Tyro, Sidona vo gny faris'i Filistia aby? Hamaly faty Anahy ra handrareo? Ndre dra hamaly Anahy aza handrareo, dra ho aheriko eo amin'gny lohandrareo avy hatragny gny sazindrareo.5Fa nangalaky gny volafosiko vo gny volamenako handrareo, sady handay gny hare sarobidy ao amin'gny tepolindrareo Zaho.6Nivarosy gny olon'i Joda vo Jerosalema amin'ireo Grika handrareo, so hangala andreo lavisy gny faritaniny.7Ingo, hapiala andreo amin'gny toera ze nivarotandrareo andreo Zaho, dra hanohisy eo amin'gny lohandrareo.8Hivarosy gny zanandrareo lelahy vo zanandrareo apela, eo an-tagnan'gny olon'i Joda Zaho. Hivarosy andreo ho amin'i Sabeana ereo, agny amin'gny firene lavisy. Fa Yaveh gny fa nizaka.9Ambarao eo amin'ireo firene zeho ho: ' Omagno amin'gny aly gny vatandrareo, fohazo reo lelahy mahery, aoky hagnato ereo, aoky gny lelahin'aly aby hiakasy.10Tefeo ho mesa gny fangalindrareo dra ho lefo gny ansy fandrasandrareo. Aoky gny osa hizaka ho: "Mahery zaho."11Malaky dra miavia, handrareo firene aby egny magnodidy egny, vorio mindray egny gny vatandrareo. Ry Yaevh, apizoso reo lelahy maheriniha.'12aoky hifoha reo firene dra hiakasy ho ao amin'gny Lohasahan'i Josafata. Fa ao gny hitobohako hisara gny firene aby magnodidy.13Apetraho gny ansy fizinza, fa gny vokasy dra matoy. Miavia, posiposero gny voaloboky, fa feno gny famiaza. Mihoasy gny vata fitataza, fa gny faharasian'ereo dra bevata."14Misy tabataba, dra tabataba ao amin'gny Lohasahan'gny Fisara. Fa antomosy gny andron'i Yaveh ao amin'gny Lohasahan'gny Fisara.15Gny masoandro vo vola hazary mezy, vo reo vasia hita gny famirapiratany.16Hiersosy lat'agny Ziona Yaveh, dra hanondrosy gny feony ao Jerosalema. Hiozongozo gny tany vo gny lagnisy, fe YAveh dra ho felofan'gny olony, sady ferova fatrasy ho an'gny olon'Israely.17" Dra ho fatandrareo fa Zaho gny Yaveh Zagnaharindrareo ze mitoboky ao Ziona, tendrombohisiko masy. Vo dra ho masy Jerosalema, dra sy misy tafiky hanao dia be aminazy eo ndraiky.18Ho avy zeho amin'gny andro ze hipoiran'gny divay mamy amin'gny tendrombohisy, gny havoa dra hikoria ronono, gny lohasahan-driakin'i Joda aby dra hikoria rano, vo loharano dra ho avy lat'amin'gny fasangen'i Yaveh vo gny rano lat'amin'gny Lohasahan'i Sitima.19Hazary faharava nenga i Egypta vo Edoma hazary efisy foa, noho gny herisetry nahy tamin'gny olon'i Joda, akory nandasaky lion'olo sy manan-signy tao amin'gny taniny ereo.20Fa i Joda dra hitoboha mandrakizay, vo Jerosalema hitobohan'gny taranaky fara-mandimby.21Hamaly faty gny lion'ize sy mbo nivaliako ho faty Zaho," Fa Yaveh mitoby ao Ziona.

Amos

Chapter 1

1Tahoky raha mahakasiky an'Israely tahiky gny nirambesin'i Amosa, raiky tamin'ireo piaraky agnondry tao Tekoa, tao amin'gny fagnambara. Nandramby reo raha reo izy tamin'gny andron'i Ozia pazakan'gny Joda, sady koa tamin'gny andron'i Jeroboama zanadahin'i Joasy pazakan'Israely.2Ho izy ho: "Hierosy lat'agny Ziona iYaveh; hapiakasy gny feony lat'agny Jerosalema Izy. Ho maiky gny ahis'ereo piaraky agnondry; halazo gnytapon'i karmela."3Zao gny zakan'Yaveh ho: " Noho reo fahota telo nahin'i Damaskosy, eka, na efasy aza, dra sy hagnalaky gny sazy Zaho, akory fitova vy gny nizeran'ereo an'i Gileada.4Handefasako afo gny taranan'i Hazaela, dra handevo reo ferova fatras'i Beni-Hadada Zaho.5Ho tapahiko gny vy eo amin'gny vavahadin'i Damaskosy dra handringa gny lelahy ze nitoboky ao Bikata Avena Zaho, sady koa gny lelahy ze nita gny tehim-panzaka ao Bet-Edena. Gny vahoakin'i Syria dra handeha ho amin'gny fahababoa agny Kira," ho Yaveh.6Zao gny zakan'i Yaveh ho: " Noho reo fahota telo nahin'i Gaza, eka, na efasy aza, dra sy hangala gny sazy Zaho, akory nahin'ereo ho babo gny vahoaky manotolo. so hanolora andreo an'i Edoma.7Handefa afo amin'ireo rindrin'i Gaza Zaho, dra handevo reo ferova fatrasy zay.8Ho aripako gny lelahy ze nitoboky ao Asdoda vo gny lelahy ze nita gny tehim-pazala lat'agny Askelona. Hanphisy an'i Ekrona gny tagnako, vo ho faty reo Filistina tavela," ho gny Tompo Yaveh.9Zao gny zakany Yaveh ho: "Noho reo fahota telo nahin'i Tyro, eka, na efasy aza, dra sy hangalaky gny sazy Zaho, akory nanolosy gny vahoaky manotolo an'i Edoma ereo, dra nandiko fifanekem-pirahalahiany ereo.10Handefa afo eo amin'ireo rindrin'i Tyro Zaho, dra handevo reo ferova fatrasiny zay."11Zaoo gny nizakan'i Yaveh ho: " Noho reo fahota telo nahin'i Edoma, eka, ndre efasy aza, dra sy hangala gny sazy Zaho, akory nagnitriky gny rahalahiny tamin'gny mesa izy dra nagnary gny famindram-po aby. Gny hahoriany dra nitohy mandrakariva, dra naharisy mandrakizay.12Handefa afo eo Temana Zaho, dra handevo gny lapan'i Bozra zay."13Zao gny nizakan'i Yaveh ho: " Noho reo fahota telo nahin'gny vahoakin'i Amona, eka, ndre efasy aza, dra sy hangala gny sazy Zaho, akory nanataky reo apela bevoky tao Gileada ereo, so hagnitaran'ereo gny faritaniny.14Handrehisy afo eo amin'ireo rindrin'i Raba Zaho, dra handevo reo lapa zay, mindray amin'gny kiaky amin'gny andron'gny aly, mindray amin'gny tafio-drivosy amin'gny andron'gny talio.15Handeha ho amin'gny fahababoa gny pazakan'ereo, izy mbamin'ireo manam-boninahiny," ho Yaveh.
Chapter 2

1Zao gny zakan'i Yaveh: " Noho reo fahota telon'i Moaba, eka ndre efasy aza, dra sy hangala gny fatrokafa Zaho, akory ereo dra nagnoro reo tolan'gny pazakan'i Edoma ho sokay.2Handefa afo eo amin'i Moaba Zaho, dra holevogniko gny ferova fatras'i Kiriota, ho faty ao agnatin'gny koraky vo hiaky vo feon'anzomara i Moaba.3Ho ravako gny pisara ao aminazy, sady ho vonoko mindray aminazy gny andria aby," ho i Yaveh.4Zao gny zakan'i Yaveh: "Noho reo fahota telon'i Joda, eka ndre efasy aza, dra sy hangala gny fatrokafa Zaho, akory ereo dra nagnary gny lalan'i yaveh vo sy nitandry reo liliny. Napandeha andreo tagny amin'gny lalan-diso gny vandin'ereo, dra nadeha nagnaraky anizay avo koa reo razany.5Handefa afo eo amin'i Joda Zaho, dra ho levogniko reo ferova fatras'i Jerosalema."6Zao gny zakan'i Yaveh: " Noho reo fahota telon'Israely, eka efasy aza, dra sy hangala gny fatrokafa Zaho. Akory navilin'ereo volafosy gny sy manan-signy vo gny mahantra ho kapa.7Nagnisaky gny lohan'gny mahantra manahaky gny fagnisahan'gny olo gny vovoky amin'gny tany ereo; nandroaky gny ory ereo. Gny lelahy vo gny rany dra samby mandry amin'gny apela raiky avo dra mandoto gny agnarako masy.8Mandry eo agnilan'gny alitara aby amin'gny akazo azo tamin'gny antoky ereo, vo ao am-pasangen'Agnaharin'ereo gny hinomany gny divay ze boak'amin'ereo voasazy.9Fe dra fa niravako teo agnoloan'ereo gny Amorita, gny halavan'izay dra manahaky gny halavan'gny sedera, natazaky manahaky reo Oka. Fa niravako gny vihiny ambony, vo gny vahany ambany.10Sady koa, nanday andrareo niboaky lat'agny amin'gny tany Egypta Zaho dra nitariky andrareo efapolo tao tagny an'efisy so ahazoa gny tanin'gny Amorita.11Nanandrasy paminany lat'amin'ireo zanadahindrareo vo Nazirita lat'amin'ireo zatovondrareo Zaho. Sa sy zay ra, ry vahoakin'Israely?---Zay gny fagnamabaran'i Yaveh.12Fe handrareo dra nandresy lahasy reo Nazarita hino divay sady nandily reo paminany sy haminany.13Ingo, hagnisaky andrareo manahaky gny fagnisahan'gny sarety feno vary gny olo Zaho.14Sy hahita hilefa gny olo kinga; sy hapitombo gny heriny gny matazaky; ndre gny mahery hahavonzy gny vatany.15Sy ahazoro gny pandefa sipiky; sy ho afaky milefa gny pilomay malaky fandehana; sy hahavonzy gny vatany gny pitikisy sovaly.16Ndre dra gny pialy be heri-po aza dra hilefa miboridagny amin'izeho andro zeho---Zay gny fagnambaran'i Yaveh."
Chapter 3

1Tenoy zao zaka ze nizakan'i Yaveh tamindrareo zao, ry olon'Israely, amin'ireo fianakavia manotolo ze nandesiko hiboaky gny tany Egnypta:2" Handrareo raiky avo gny nifiliko amin'gny fianakavia aby eto ambonin'gny tany. Noho zay, dra horakafoko handrareo noho reo otandrareo aby."3Sa ra hindray handeha gny ro no sy niray hevisy ereo?4Sa ra hierosy agny agn'ala gny liona no sy misy haza izy? Sa ra hierosy ao an-davakiny gny liona tanora no sy nahazo ndre ino ndre ino izy?5Sa ra afaky milavo agnaty fandriky amin'gny tany etiky gny voro no sy misy tadivavara voatoby ho anazy aby? Sa ra hikatoky gny fandriky amin'gny tany etiky no sy nahazo ndre ino ndre ino aby izy?6Hagneno ao an-tany ra gny asiva ka sy hangitakitaky gny olo? Ho avy ao an-tana ra gny loza no sy i Yaveh gny nandefa anizay?7Azo atoky fa sy hanao ndre ino ndre ino i Tompo Yaveh no sy magnambara reo fikasany amin'ireo paminany panopony Izy.8Ia gny sy hatahosy; no nierosy gny liona? Fa nizaka gny Tompo Yaveh, ia gny sy haminany?9Ambarao agny amin'ireo ferova fatras'i Asdoda zay, vo agny amin'gny ferova fatrasin'gny tany Egypta; zakao ho: " Mivory handrareo egny amin'ireo tendrombohis'i Samaria vo atio gny fifanzevogna be ze ao aminazy, vo ino gny fahoria ao aminazy.10Fa sy mahay gny fanaova gny mary ereo---zay gny fagnambaran'i Yaveh---Mitahiry herisetry vo faharava ao amin'gny fefiny ereo."11Noho zay, zao gny zakan'gny Tompo Yaveh ho: ' Hiodidy gny tany gny fahavalo. Handrava reo ferovaniha fatrasy izy sady handroba reo fefiniha.12Zao gny zakan'i Yaveh: " Manahaky gny famonzen'gny piaraky agnondry gny tomboky ro avo amin'gny vavan'gny liona, ndre sombin'gny sofy, gny hamonze gny olon'Israely ze nitoboky agny Samaria, eo anzoron-seza avo, na koa eo anzoron-Parafara avo."13Mitenoa dra mizoroa vavolombelo manohisy gny hasaveregnan'i Jakoba--- Zao gny fagnambara nahin'gny Tompo Yaveh, Zagnahary Tompon'gny maro:14Fa amin'andro ze hadrokafako reo fahotan'Israely, dra ho rokafoko avo koa gny alitaran'i Betela. Hotapahy reo tandroky gny alitara dra hilavo amin'gny tany.15Horavako gny fasange asara mindray amin'gny fasange fahavarasy. Ho simba gny fasange ivory vo fasange be dra hanzavo,---zay gny fagnambaran'i Yaveh."
Chapter 4

1Tenoy zao zaka zao, handrareo ry agnombivavin'i Basana, handrareo ze agny an-tendrombohis'i Samaria, handrareo ze mapahory gny mahantra, handrareo ze manorotoro gny ory, handrareo ze mizaka amin'gny valindrareo ho: " Andeso raha ibomy zahay."2Fa nifata tamin'gny fahamasignany gny Tompo Yaveh ho: " Ingo, ho avy amindrareo gny andro ze hangalan'ereo andrareo amin'gny farango, vo gny sisa amindrareo amin'gny finta.3Hiboaky eo amin'gny vaky eo amin'gny fefin'gny tana handrareo, samby hagnisy amin'izay aby, dra hatoraky agny ambaliky magnagny Harmona handrareo---zay gny fagnambaran'i Yaveh."4"Mandehana agny Betela dra manota, agny Gilgala dra apitombo gny fahota, andeso isaky maraindray gny sorondrareo, gny apahafolon-karendrareo isaky gny telo andro.5Manolora soro fagnati-pisora mindray amin'gny mofo; magnambara fagnati-sitrapo; torio reo, fa mahafinarisy andrareo zay, ry olon'Israely--- zay gny fagnambaran'gny Tompo Yaveh.6Nomeko fagnadiova-nify handrareo tagny amin'gny tanandrareo aby sady sy fahapian'gny mofo tao amin'gny toerandrareo aby. Fe sy nihery taminahy avo handrareo---zay gny fagnambaran'i Yaveh.7Nanaka gny ora sy ho eo amindrareo avo koa Zaho no mbo nisy telo vola hizinza. Nahiko nagnora teo amin'gny tana raiky, vo nahiko sy nagnora teo amin'gny tana raiky hafa. Gny apahan-tany nisy ora, fa gny apahany hafa ze sy mbo nisy ora dra maiky.8Tana ro na telo gny nivembe nagnagny amin'gny tana raiky hafa so hino rano, fe ay afa-po. Fe sy nihery taminahy avo handrareo---zay gny fagnambaran'i Yaveh.9Napahory andrareo tamin'gny fahamaikin'gny voly vo gny bobongolo zaho. Gny hamaron'gny sahandrareo, gny tanim-boalobokindrareo, gny hazon'aviavindrareo, vo gny hazon'olivandrareo---fa narapaky gny valala aby izy aby. Fe sy nihery taminahy avo handrareo---zay gny fagnambaran'i Yaveh.10Nandefa areti-mandripaky teo amndrareo manahaky gny teo amin'gny Egypta Zaho. Novonoko tamin'amesa gny tovolahindrareo, nalako gny sovalindrareo, dra nahiko teo amin'gny vavorondrareo gny hamembon'gny tobindrareo. Fe sy nihery taminahy avo handrareo---zay gny fagnambaran'i Yaveh.11Nandripaky tana teo amindrareo zaho, manahaky gny tamin'gny nandripahan'Agnahary an'i Sodoma vo Gomora. Fa sahala amin'gny tapa-kazo mirehisy nisintony latao amin'gny afo handrareo. Fe sy nihery taminahy avo handrareo---zay gny fagnambaran'i Yaveh.12Noho zay dra hanao raha mahaory amindrareo Zaho, ry Israely; vo akory hanao raha mahaory amindrareo Zaho, dra miomana hihao amin'gny Zagnaharindrareo, ry Israely!13Fa ingo, gny nanao gny tendrombohisy avo koa gny nahary gny sioky, mapiseho gny heviny amin'gny zanak'olombelo, mahavy gny maraindray ho ezy, sady magnosiosy gny toera abon'gny Tany. Yaveh, Zagnahary Tompon'gny maro, gny agnarany."
Chapter 5

1Tenoy tiho zaka ze nalako ho fitaraigna eo aminiha tihoky, ry hasaveregnan'Israely.2Lavo gny virizin'Israely; dra sy hisanga sasy izy; nazera tamin'gny taniny izy; dra sy misy ndre dra raiky aza hananga anazy.3Fa zao gny zakan'gny Tompo Yaveh: " Gny tana ze niboahan'gny arivo dra hana zato tavela, vo gny raiky ze niboahan'gny zato dra hana folo tavela ze an'gny hasaveregnan'Israely."4Fa zao gny zakan'i Yaveh tamin'gny hasaveregnan'Israely ho: " Taliavo Zaho dra ho velo hanao!5Ka mitalia an'i Betela; na milisy agny Gilgala; ka mandeha agny Beri-sheba. Fa Gilgala dra azo atpky fa ho babo, sady ho lasa sinosino i Betela.6Taliavo Yaveh dra ho velo hanao, no sy zay dra hiboaky manahaky gny afo ao amin'gny hasaveregnan'i Josefa Izy. Handrapaky anizay, sady sy hisy ndre ia ndre ia hamono anizay agny Betela.7Reo olo reo dra hamaliku gny rariny ho raha mafaisy sady hanoraky gny fahamarigna amin'gny tany!"8Zagnahary nanao an'Ikotolimiadilaona vo gny Telonohorefy; mamaliky gny hezy ho maraindray Izy; manao gny andro ho mezy mindray amin'gny hariva Izy sady mitoka gny ranon'gny ranomasy; mandraraky reo amin'gny velaran-tany Izy. Yaveh gny agnarany!9Manday faharipaha tapoky eo amin'gny mahery izy so ho avy eo amin'gny ferova fatrasy gny fandrava.10Malay gny olo aby ze magnisy andreo ao amin'gny vavahadin'gny tana Izy, sady malay gny olo aby ze mizaka gny mary ereo.11Akory magnisakisaky reo mahantra hanao dra mangalaky apaham-bary aminazy---ndre dra nagnory fasange vita tamin'gny vato aza hanao, dra sy hitoboky ao amin'izay. Mana tanim-boaloboky mahafinarisy hanao, fe sy hino gny divain'izay hanao.12Fa fatako gny isan'ireo fandikan-dalaniha vo gny halahiben'ireo fahotaniha---hanao ze mapahory gny rariny, mandramby gny kolikoly, sady mivily amin'ireo olo mila fagnapia ao amin'gny vavahadin'gny tana.13Noho zay dra misigny amin'gny fotoa manahaky anizay gny olon-kendry, akory fotoa rasy zay.14Mitaliava gny soa fa sy gny rasy, so ho velo hanao. noho zay Yaveh, Gny Zagnahary gny maro, dra vatany hiahy aniha, araky gny zakaniha fa Izy.15Hakalegno gny rasy, tiavo gny soa, apetraho gny rariny ao amin'gny vavahadin'gny tana. Vasa Yaveh, gny Zagnahary gny maro hamindra fo amin'ireo sisa nengan'i Josefa.16Noho zay, zao gny zakan'i Yaveh, gny Zagnahary gny maro, gny Tompo ho: " Gny fidradradradra dra ho amin'gny reo efa-zoro aby, dra hizaka anizay agny amin'gny lala aby ereo, 'Loza, loza!' Hitoka reo pamboly so ho amin'gny fandala ereo vo reo malahelo so hidradradradra.17Hisy fidradradradra ao amin'ireo tanim-boaloboky aby, akory handalo eo agnivondrareo Zaho," ho Yaveh.18Loza ho andrareo ze magniry gny andron'i Yaveh! Nagnino handrareo gny magniry gny andron'i Yaveh? Ho fahamezigna zay sady sy hisy hazava,19manahaky gny olo nofa milefa liona vo bera mifanena aminazy, na milisy ao amin'gny fasange sady mametraky gny tagnany eo amin'gny fefy vo magnifasy anazy gny menara.20Sa ra gny andron'i Yaveh sy ezy fa sy hazava? Hezim-pito ra sy misy famirapirata?21" Halako, hahiko sinosino gny firavoravoandrareo, sy mangalaky maminy amin'ireo fivondrognandrareo magnetriketriky Zaho.22Ndre dra manolosy fagnatisy oroa vo fagnatisy hohany Aminahy aza handrareo, dra sy handramby reo Zaho, na hagnety gny fagnati-pihavagnan'ireo biby mataviniha.23Alao taminahy gny tabataban'ireo hirandrareo; sy hiteno gny feon'gny lokangandrareo zaho.24Fe koa, angao hivavasy manahaky gny rano gny rariny, vo gny fahamarigna manahaky gny renirano mikoria lalandava.25Ninday soro vo fagnatisy tagny an'efisy nandrisy gny efa-polo tao ho anahy ra handrareo, ry hasaveregnan'Israely?26Hanandrasy an'i Sokita ho pazakandradreo handrareo, vo Kiona, zagnahary gny vasiandrareo---sapy ze nahindrareo ho andrareo.27Noho zay dra halefako sesitany mihoasin'i Damaskosy handrareo," ho Yaveh, zay Zagnahary gny maro gny agnarany.
Chapter 6

1Loza ho an'ireo ze mahazo ay ao Ziona, vo ho an'ireo ze milamy ao amin'gny tany habon'i Samaria, reo olo-malaza boak'amin'ireo firene soa vatany, za hahavian'gny taranan'Israely so ho vonze!2Ho reo pitariky andrareo: " mandehana agny Kalne ka magnitia; boakao dra mandehana agny Hamata, gny tana lahibe; boakeo dra mizosoa agny Gatan'ireo Filistina. sa ra soa noho reo fanzakaniha ro reo? Sa ra lahibe noho gny faritaniniha gny faritanin'ereo?"3Loza ho an'ireo ze mapihemosy gny andron'gny loza sady mapagnariny gny seza fiandrianan'gny herisitry.4Mandry eo am-pandria ivory ereo dra misososy eo am-parafaran'ero. Mihina zanak'agnondry boak'amin'ireo agnondry aman'osy ereo vo zanak'agnondry boak'amin'gny fihinanam-bilo.5Nihira reo hira molamola tamin'gny feon'gny harapa ereo; namoroporo raha magneno manahaky gny nahin'i Davida.6Nino divay tamin'gny lasety zobo ereo sady nihososy dililo soa loasy, fe sy nalahelo gny amin'gny faharavan'i Josefa.7Dra handeha an-sesitany mindray amin'ireo sesitany volohany ereo amizao, vo gny firavoravoan'ireo ze misososy dra ho foa.8" Zaho, Tompo Yaveh, dra fa nifata tamin'gny vatako---zay gny fagnamabaran'gny Tompo Yaveh, Zagnahary Tompon'gny maro, halako gny fieboeboan'i Jakoba; halako gny ferova fatrasiny. Dra hanolosy gny tana mabmin'ize iaby ao aminazy Zaho."9Dra no misy folo lahy tavela ao am-pasange raiky, dra ho faty aby ereo.10No misy havan-dralelahy avy so hangalaky gny fatin'ero---gny raiky ze hagnoro gny fatin'ero afaran'gny handesany reo faty miboaky gny fasange---no mizaka amin'gny olo ao am-pasange izy ho: "Misy olo mindray aminiha ra ao?" No mamaly anizay olo zay ho: " Aha". Dra hizaka izy ho: " Misigna, fa aoky sika sy hanogno gny agnaran'i Yaveh."11Fa, ingo, hagnome beko Yaveh, dra ho torotoro gny fasange lahibe sady ho potipotiky gny fasange keliky.12Sa ra gny sovaly milomay amin'gny harambato? Sa ra misy olo mapihosy agnomby ao? Fe namaliky gny poizy handrareo vo gny vokasy gny fahamarigna ho fagnilia.13Handrareo ze mifaly amin'i Lodebara, ze manao ho: " Sa ra sy fa nangalaky an'i Karnaima tamin'gny herinay avo zahay?"14"Fe ingo, hananga firene hanohisy andrareo Zaho, ry taranak'Israely---zay gny fagnamabaran'gny Tompo Yaveh, Zagnahary Tompon'gny maro. Hapahory andrareo manomboky ao Lebo-hamata hatragny amin'gny lohasahan-driakin'i Araba ereo."
Chapter 7

1Zeho gny nasehon'i Yaveh taminahy. INgo, namoro valla be izy nofa nanomboky niakasy gny vokasy gny lohatao, dra ingo, taraiky gny vokasy tao afaran'gny vokasy gny pazaka.2Nofa baoky nihina gny vokasy gny tany ereo, dra ho zaho: "Ry Tompo Yaveh, mbo mamindra fo aminahy, akory gny haveloman'i Jakoba? Akory dra vatany keliky izy"3ka nagnazano gny mahakasiky anizay Yaveh." sy hiseho zay", ho Izy.4Zao gny nasehon'i Tompo Yaveh anahy: Ingo, menso amin'gny fisaran'gny afo gny Tompo Yaveh. Zay gny nagnamaiky gny tany malalaky, gny rano laliky ambanin'gny tany dra handevo gny tany avo koa.5Fe ho zaho ho: "Tompo Yaveh o, azanogny ra; akory gny haveloman'i Jakoba? Fa vatany visiky izy."6Dra nagnazano gny mahakasiky anizay Yaveh ho: Sy hitranga avo koa zay," ho gny Tompo Yaveh.7Zao gny nasehony anahy: Ingo, nisanga teo agnilan'gny rindry gny Tompo, nindray tamin'gny vato pilao tegny an-tagnany.8Yaveh nanao taminahy ho: " Nao ra Amosa, Ino gny itaniha? Dra ho zaho: " Vato pilao milahasy." Dra ho Gny Tompo ho: "Ingo, hametraky pilao eo amin'gny Israely vahoakiko Zaho. Sy hamindra fo amin'ereo sasy Zaho.9Horava reo fitoboha abon'i Isaka, hopotehy reo fitoboha masin'gny Israely, dra hisanga hanohisy amin'gny mesa gny taranak'i Jeroboama Zaho."10Dra Amazia, gny pisoron'i Betela, nandefa hafasy tagny amin'gny Jeroboama, pazakan'Israely ho: " Fa nitetiky hanohisy aniha eo agnivon'gny taranak'ISraely i Amosa. Sy tatin'gny tany reo zakany aby.11Fa zao gny zakan'i Amosa: 'Ho faty amin'gny mesa i Jeroboama, dra ho sesi-tany hiala amin'gny taniny Israely.'"12Amazia nizaka tamin'i Amosa ho: " Ry Mpahita, miheregna agny amin'gny tanin'i Joda, dra mihinana mofo sady maminania agny.13Fa ka manao faminania eto Betela sasy, akory fitoboha masin'gny pazaka vo fasangen'gny pazaka itiky."14Dra ho Amosa tamin'i Amzia ho: " Sy paminany zaho na zanaky gny paminany. Piaraky agnondry vo pikarakara hazo amonta vo aviavy zaho.15Fa nangalaky anahy lat'agny apiarakandrovan'agnondry i Yaveh dra nizaka taminahy ho: " Mandehana, dra maminania amin'gny Israely vahoakiko."16Amizao mitenoa gny zakan'Yaveh. Ho hanao ho: "Ka maminany hanohisy an'Israely, sady ka mizaka manohisy gny taranak'Isaka."17Noho zay dra zao gny zakan'Yaveh: " Ho lasa pivaro-bata ao an-tana gny valiniha; reo zanadahiniha vo reo zanakapelaniha dra ho lavo amin'gny alalan'gny mesa; horefesy gny taniniha sady hosery; ho faty ao amin'gny tany maloto hanao, dsady halefa sesi-tany hiala ao amin'gny taniny vatany gny Israely.""
Chapter 8

1Zao gny nasehon'gny Tompo Yaveh taminahy. Ingo, voakazon'gny fahavarasy raiky haro!2Ho Izy ho: " Ino gny hitaniha, ry Amosa?" Dra ho zaho ho: " Gny haron'gny voakazo fahavarasy." Dra ho Yaveh taminahy ho: " Fa avy amin'gny Israely vahoakiko gny farany; sy hamindra fo amin'ereo sasy zaho.3Hazary fidradradradra gny hiran'gny tepoly. Tamin'izeho andro zeho---zay gny fagnambaran'gny Tompo yaveh. Ho maro reo faty, dra hatorakin'ereo mangingiky egny amin'gny aby egny regny!"4Tenoy zao, handrareo ze magnisaky gny ory vo magniliky gny mahnantran'gny tany.5Hizaka ereo ho: " Ombia vo ho tapisy gny vola vaovao, so hafahasika mivarosy vary ndraiky? Ombia vo ho tapisy gny andro Sabata, so hahafahansika mivarosy vary? Hahisika keliky gny famara sady hapekary gny vilim-bary, sady hangalasy amin'gny mizana diso sika.6Zay dra so hahafahasika mivarosy vary rasy, vilio amin'gny volafosy gny ory, vo gny mahantra amin'gny kapa."7Nifata tamin'gny fireharehan'i Jakoba i Yaveh ho: " Vatany sy ho alignoko mandrakizay mihsy gny nahin'ereo."8sy hihorohoro noho zay ra gny tany, vo gny olo aby ze mitobpky ho amin'izeho dra mandala? Gny akamaroan'izeho dra hisanga manahaky gny Onin'i Neily, sady hisamboaravoara vo hiletiky ndraiky zay, manahaky gny Onin'gny Egypta.9" Dra ho avy zay amin'iho andro iho--- zay gny fagnambaran'gny Tompo Yaveh--- fa hapiposaky gny masoandro amin'gny mitatao vovogna Zaho, sady hagnamezy gny tany amin'gny dizera.10Hamaliky gny firavoravoa ho fandala Zaho vo reo hirandrareo aby ho fitomagnia. Hapanoviko gny akazo fandala aby handrareo aby sady ho sola gnylohan'gny kiraikiraky. Hanao anizay manahaky gny fandala ho an'gny zanaky alahitoka zay, sady andro mafaisy agny amin'gny faran'izay.11Ingo, avy gny andro--- zay gny fagnambaran'gny Tompo Yaveh--- Nofa handefa mosary egny amin'gny tany Zaho, sy mosary mofo, nakoa hetaheta rano, fa ho amin'gny fandregnesa reo zakan'i Yaveh.12Hivembe erakin'gny ranomasy ereo; dra hilomay lat'agny avarasy ka hatragny asinagna so hitalia gny zakan'i Yaveh, fe sy hahita anizay ereo.13Amin'izeho andro zeho reo viriziny soa tarehy vo reo tovolahy dra ho ketraky gny hetaheta.14Reo ze nifata tamin'gny fahotan'i Samaria dra ho lavo ereo sady sy hisanga sasy."
Chapter 9

1Nahita gny Tompo nizoro teo agnilan'gny Alitara zaho, dra ho Izy ho: " Zerao gny tendron'ireo andry so hihozo reo fotosy. Torotoro gny egny amin'gny lohany aby egny, dra hamono amin'gny mesa gny sisa tavela amin'ereo Zaho. sy misy raiky hielfa amin'ereo.2Ndre handavaky agny amin'gny fiegnan-sy hita aza ereo, dra gny tagnako gny hangalaky andreo agny. Ndre dra hiakasy egny amin'gny lagnisy aza ereo, dra ho andesiko mizoso.3Ndre dra mivony agny an-tapon'gny Karmela aza ereo, dra hikaroky sady hangalaky andreo agny Zaho. Ndre dra mivony agny ambanin'gny ranomasy aza ereo, dra hagniraky gny bibilava agny Zaho, dra hagnifasy azdreo zay.4Ndre dra mandeha ao amin'gny fahababoa aza ereo, andesin'gny fahvalony eo agnoloan'ereo, dra hagnome beko gny mesa Zaho, dra hamono andreo zay. Hangety andreo avo gny masoko so hanimba fa sy hanao soa andreo."5Yaveh Tompon'gny maro dra nikasiky gny tany dra nazary karakay zay; gny iaby ze miay ao amin'izeho dra mandala; hiakasy manahaky gny Ony zeho iaby zeho, dra hiletiky ndraiky manahaky gny onin'i Egypta,6Izy gny naganmboasy reo tohany agny an-dagnisy, vo fa nametraky gny andohalambony manera gny tany. Nitoka gny ranon'gny ranomasy Izy, dra nandraraky anizay teo amin'gny velaran-tanin'ereo, Yaveh gny agnarany.7Sy manahaky gny vahoakin'i Etiopia ra handrareo ho anahy, ry vaoakin'Israely?--- zay gny fagnambaran'i Yaveh. Sy nanday an'Israely hiboaky an'i Egypta, reo filistina lat'agny Kreta, vo reo Syriana lat'agny Kira ra Zaho?8Ingo, eo amin'gny fanzaka panota gny mason'gny Tompo Yaveh, dra hagnombosyanazy sy ho eto ambonin'gny tany zaho, fe sy hamotiky tateraky gny fasangen'i Jakoba zaho--- zay gny fagnambaran'i Yaveh.9Ingo, hagnome beko, dra hangozohozo gny zanak'Israely eo amin'gny firene aby Zaho, manahaky gny olo maniva vary amin'gny siva, so sy hilasahan'gny vato keliky amin'gny tany.10Gny panota aby lat'amin'gny vahoakiko dra ho faty amin'gny mesa, reo ze mizaka ho: ' Sy hahatrasy na hagnato asika gny loza.'11Amin'izeho andro zeho dra hananga gny tragno-lain'i Davida ze nilavo Zaho, sady hagnatampy reo bangany. hasangako reo faharavany, dra hamboariko hanahaky gny tamin'gny andro fa ela zay.12So hanagnan'ereo gny sisa tavela an'i Edoma, vo gny firene aby ze nitokavy tamin'gny agnarako--- zay gny fagnambaran'i Yaveh--- nanao anizay Izy.13Ingo, ho avy gny andro--- zay gny fagnambaran'i Yaveh--- nofa mahatrasy gny fizinza gny piasa-tany, vo reo pioty voaloboky dra hahatrasy anazy ze namboly gny vihiny. Reo tendrombohisy dra hapiboiboiky divay mamy, vo reo havoa aby dra hikoria mindray amin'izeho.14Ho andesiko mihery lat'agny amin'gny fahababoa gny vahoakiko Israely. Hananga reo tana rava ereo dra hitoboky amin'izay, hamboly tanim-boaloboky ereo dra hino gny divain'izay, sady hana zaridaina ereo dra hihina gny vokas'izay.15Hamboly anizay eo amin'gny tanin'ereo Zaho, dra sy hiombosy eo amin'gny tany ze nomeko andreo sasy mihisy ereo," ho i Yaveh Zagnaharindrareo.

Obadiah

Chapter 1

1Gny fahitan'i Obadia. Zao gny zakan'gny Tompo Yaveh mahakasiky an'i Edoma: Fa nahare tatisy boaky tamin'i yaveh vo gny masoivoho za nalefa ho eo amin'ireo firene zahay, nanao ho: " Misangana! aoky sika hisanga so hialy hanohisy anazy!"2Ingo, hahiko leliky eo amin'ireo firene hanao, ho ahy sihosino tateraky hanao.3Namitaky aniha gny fireharehan'gny foniha, hanao ze mitoboky egny an-sefasefaky gny vato, amin'gny fasangeniha abo; ze manao am-po ho: "Iza gny hapizoso anahy ho agny amin'gny tany?"4Ndre dra mitily abo manahaky gny voromahery vo naory teo amin'ireo vasia aza gny akaniniha, dra hapizoso aniha lat'egny Zaho, ho Yaveh.5No avy ao aminiha gny pangalasy, no avy hariva gny malaso (akory gny faharavaniha!), sa ra sy ze sahaza anazy avo gny angalariny? No avy tao aminha gny pioty voaloboky, sara sy engany eo reo niraraky?6Endrey gny fitaliava an'i Esao, vo gny fitaliava reo hare mivony!7Reo lelahy aby nifagnaraky taminiha dra handefa aniha amin'gny lalaniha magnagny anin'gny sisin-tany. Reo lelahy nihava taminiha dra nal=mitaky aniha, sady nandresy aniha. Reo ze mihina gny mofoniha dra fa nametraky fandriky teo ambaniniha. Sy misy fahazavan-say ao aminazy.8" Sa ra sy amin'izeho andro zeho zaho" ho i Yaveh, "gny hamotiky reo lelahy hendry lat'agny Edoma vo mazava say ao an-tendrombohis'i Esao?9Ho reki-tahosy reo lelahy maheriniha, ry Temana, dra ho ripaky amin'gny alalan'gny famonoa lat'agny an-tendrombohis'i Esao gny lelahy aby.10Nohon'gny herisetry nahy tamin'i Jakoba rahalahiniha, dra ho rakosy hegnasy hanao, sady ho ripaky mandrakizay.11Tamin'gny andro namisahaniha, tamin'gny andro nandesan'ireo vahiny gny fanagnany, vo gny niliran'ireo hafa firene gny vavahadiny, vo gny nanaovany loka an'i Jerosalema, dra manahaky gny raiky tamin'ereo hanao.12Fa ka mifaly amin'gny andron'gny rahalahiniha, amin'gny andron'gny fahavoazany, sady ha mifaly eo amin'ireo vahoakin'i Joda amin'gny andro handripaha anazy; ka mirehareha amin'gny andro maha-ory andreo.13Ka milisy gny vavahadin'gny vahoakiko amin'gny androm-pahavoazan'ereo, ka mifaly amin'gny fahoriany amin'gny andro hahitany loza, ka mandroba gny fanagnan'ereo amin'gny andro maharava anazy.14Ka misanga eo an-sapagnan-dala, so handripaha reo pilefa sady ka magnome gny sisa sy matiny amin'gny andro maha-ory.15Fa marin'gny firenen'aby gny andron'i YAveh. Manahaky gny nahiniha, gny mbo hahy aminiha; hisingery ao an-dohaniha gny raha vitaniha.16Fa manahaky gny fa ninominiha tao an-tendrombohisiko masy, gny hinomin'ireo firenen'aby sy an-kizano. Hino vo hitely ereo, sady hanahaky gny sy nisy ereo.17Fa agny an-tendrombohisy Ziona gny hisy reo ze tafisoaky dra ho masy zay; vo gny taranak'i Jakoba hahazo gny fanagnany manoka.18Gny taranak'i Jakoba dra ho afo, vo gny taranak'i Josefa ho lelan'afo, vo gny taranak'i Esao ho mololo, dra hagnoro anazy ereo zay, ka handevo andreo. Sy hisy velo gny taranak'i Esao, akory zay gny zakan'i Yaveh.19Reo ze lat'amin'i Negeva dra hana gny tendrombohis'i Esao vo reo ze lat'agny Sefela hana gny tanin'ireo Filistina. HAna gny tanin'i Efraima vo gny tanin'i Semaria ereo; vo Benjamina hana an'i Gileada.20Reo sesitanin'gny zanak'Israely maro dra hana gny tany Kanana ka hatragny Zarefata. Reo sesitanin'i Jerosalema, ze agny sefarada dra hana gny tanan'i Negeva.21Reo pamonzy dra hiakasy agny an-tendrombohisy Ziona dra hanapaky manera gny tany habon'i Esao, vo gny fanzaka dra an'i Yaveh.

Jonah

Chapter 1

1Dra avy teo amin'i Jona zanadahin'i Amitahy gny zakan'i Yaveh, manao ho:2" Misangana dra mandehana agny NInive, zay tana lahibe, dra miresafa gny mahakasiky anizay, akory fa niakasy teo agnatrehako gny faharasian'ereo."3Fa nisanga i Jona so hilefa gny fagnatrehan'i Yaveh dra nandeha tagny Tarsisy. Nizoso tagny Jopa izy dra nahita sambo hienga ho agny Tarsisy. Koa dra naloany gny saran-da dra niakasy tao amin'gny sambo nindray tamin'ereo ho agny Tarsisy izy, lavisy gny fagnatrehan'Agnahary.4Fa nandefasan'i Yaveh sioki-mahery tegny amin'gny ranomasy sady dra nazary tafio-drivosy tegny amin'gny ranomasy zeho. Selasela teo dra hita fa potiky gny sambo.5Dra lasa natahosy fatrasy reo tansambo dra nitoka fatrasy gny zagnahariny manoka. Natorakin'ereo tagny an-dranomasy gny eta tao amin'gny sambo so hagnameva anizay. Fa Jona se nizoso laliky tao amin'gny sambo, dra nisilagny renoky gny torimaso tao.6Dra nagnanto anazy gny kapitenin-sambo dra nizaka taminazy ho: " Nagnino hanao gny matory? Misangana! Tokavo gny zagnahariniha! Vasa mbo hahita asika gny zagnahariniha dra sy ho faty sika."7Nifapiresaky ereo aby nanao ho: " Magnatogna, ndao sika hanao akisapaky, so hahafahasika mahafatasy ho ia gny anton'izeho loza misy aminsika zeho." Dra nahin'ereo gny akisapaky, dra nitonto amin'i Jona zay.8Dra ho ereo tamin'i Jona ho: " Ba zakao anay ra ho ia gny anton'izeho loza misy amisika zeho. Ino gny asaniha, dra lat'eza hanao? Ino gny fireneniha, sady lat'amin'gny vahoaky ia hanao?9Ho Jona tamin'ereo ho: " Hebreo zaho; dra matahosy an'i Yaveh, gny Zagnahary gny lagnisy, ze nanao gny ranomasy vo gny tany maiky."10Dra vo maiky niha-natahosy reo lelahy dra nizaka tamin'i Jona: " Fa ino nahiniha tiky?" Fa fatan'ireo lelahy fa nilefa gny fagnatrehan'i Yaveh izy, akory nizakany tamin'ereo.11Dra ho ereo tamin'i Jona ho: " Ino gny tokony ho ahinay aminiha so hapilamy gny ranomasy ho anay?" Akory niha-nagnonza fatrasy dra fatrasy gny ranomasy.12Ho iJona tamin'ereo ho: " Rambeso zaho dra atoraho agny agnaty ranomasy. Dra hilamy ho andrareo gny ranomasy, akory fatako fa noho zaho gny mahavy zeho tafio-drivosy zeho hisy amindrareo."13Ndre dra zay aza, dra namohy fatrasy reo lelahy so hapihery andreo egny an-tanety, fe sy afaky nanao anizeho ereo akory niha-nahery gny ranomasy nanohisy andreo.14Noho zeho dra nitoka fatrasy an'i Yaveh ereo dra nanao ho: " Mitalaho Aminiha zahay, ry Yaveh, mitalaho Aminiha zahay, ka enga ho faty nohon'gny ain'itihoky lelahy tihoky zahay, sady ka melohy aminay gny fahafatesany, akory Hanao, Yaveh, dra nanao araky ze sitraky gny foniha."15Koa dra nirambesin'ereo i Jona dra natorakin'ereo tagny agnaty ranomasy, dra nizano sy nisafoaky gny ranomasy.16Boakeo dra natahosy an'i Yaveh reo lelahy. Nanolossy soro ho an'i Yaveh ereo sady nanao voady.17Dra fa nagnoma fia lahibe hitely an'i Jona i Yaveh, dra nizano tao agnatin'gny vavonin'gny fia telo andro vo telo hariva i Jona.
Chapter 2

1Boakeo dra nivavaky tamin'i Yaveh Zagnahariny latao an-trokin'gny hazandrano i Jona.2Ho izy ho: "Nitoka an'i Yaveh nanoloa gny fahoriako zaho dra namaly anahy Izy; lat'agny an-trokin'gny fiaignan-sy hita gny nitokavako vonzy! Dra reniha gny feoko.3Fa natorakiniha tagny amin'gny laliky zaho, tagny amin'gny farany lalikin'gny ranomasy, dra nagnodidy anahy gny herin-driaky; nanafody anahy aby gny onza vo alon-drano.4Ho zaho ho: ' Voaroaky sy ho eo agnoloan'gny masoniha zaho; fe dra mbo hitoliky hagnatriky gny tepoliniha masy.'5Nihily nagnodidy anahy ka hatregny amin'gny vozoko gny rano; vo nagnodidy anahy vatany gny laliky; naningosy nagnosisy gny lohako gny ahi-dran.6Nizoso tagny am-potos'ireo tendrombohisy zaho; dra nikato taminahy mandrakizay gny tany vo gny hiliny. Fe mbo napiakasy gny aiko baky tao an-davaky Hanao, ry Yaveh, Zagnahariko!7No rokaky tato agnatiko gny fagnahiko, dra nahasiaro an'i Yaveh zaho; dra avy teo aminiha gny fivavako, tao amin'gny tepoliniha masy.8Reo ze miteno zagnahary sy misy dikany dra magnary gny fahatokianiha magnoloa andreo.9Fa no gny aminahy koa, dra hanao soro ho Aniha amin'gny feo fanoloram-pisora zaho; ho taterahiko ze fa nivoadiako.10Lat'amin'i Yaveh gny famonze!" Dra nizaka tamin'gny hazandrano i Yaveh, dra naloany tegny amin'gny tany maiky i Jona.
Chapter 3

1Dra avy tamin'i Jona fagnindrony ndraiky gny zakan'i Yaveh nanao ho:2" Misangana, mandehana magnagny NInive, gny tana lahibe, dra torio aminazy gny hafasy ze andiliako aniha."3Dra nisanga Jona dra nagnagny Ninive tamin'gny fagnekea gny zakan'i Yaveh. Vo NInive dra tana lahibe vatany, raiky amin'ireo lala hateloa.4Nanomboky nilisy gny tana i Jona vo tafaran'gny lala raiky andro dra nitoka fatrasy izy sady nizaka ho: " Horava i Ninive ao agnatin'gny efapolo andro."5Nino an'Agnahary gny vahoaky tao Ninive dra nitoka fifadian-kany ereo. Nanao lamba fandala aby izy aby, hatramin'gny lahibe loasy ka hatramin'gny keliky loasy amin'ereo.6Sy ela dra avy teo amin'gny oazakan'i NInive gny vaovao. Dra nisanga boaky teo amin'gny seza fiandriany izy, nanaisotry gny akazom-boninahisiny, dra nanafosy gny vatany tamin'gny lamba fandala, dra nitoboky teo an-davenoky.7Nandefa fagnambara izy nozaka ho: " Etoky Ninive, amin'gny fahefan'gny pazaka vo gny olo-manan-kazany, aoky sy hisy olo na bidy, agnomby na agnondry aman'osy, hanendry raha. Aoky sy hihina ereo, na hino rano.8Fa aoky gny biby vo gny olo hisafosy lamba fandala dra aoky ereo hitaray fatrasy amin'Agnahary. Aoky gny kiraikiraiky samby hiala amin'gny lalan-drasiny vo amin'gny herisetry ze eo an-tagnany.9Ia gny mahay? Vasa hanegny avo Zagnahary ka hiova hevisy dra hiala amin'gny fahavignirany ka sy ho ripaky sika."10Hitan'Agnahary gny nahin'ero, fa niala tamin'gny lalan-drasiny ereo. Noho zay dra niova hevisy Zagnahary gny amin'gny fatrokafa ze nizakany hahy amin'ereo, dra sy nahiny zay.
Chapter 4

1Fa sy nahafaly an'i Jona zay dra nazary ory fatrasy izy.2Noho zay dra nivavaky tamin'i Yaveh i Jona dra nanao ho: "Oh ra Yaveh, sy zeho ra gny fa nizakako taminiha nofa tafihery tagny amin'gny fireneko zaho? Zay gny antony nihesefako volohany sady niezahako hilefa tagny Tarsisy--- akory fatako fa Zagnahary manan-karem-pahasoava, mahari-po, malay ho ory, feno fahatokia, sady manegny amin'gny fandefasa loza Hanao.3Koa amizao ra, ry Yaveh, mitalaho aminiha zaho alao aminahy gny aiko fa soa ho anahy gny ho faty toy zay ho velo."4Ho i Yaveh ho: " Mety ra zeho hahorianiha f]loasy zeho?"5Dra niboaky gny tana i Jona dra nitoboky tegny amin'gny ilany asignanan'gny tana. Tagny gny nanaovany felofa dra nitoboky teo ambanin'gny alok'izeho izy so hahitany ze mety hahazo gny tana.6Nagnoma hazo Yaveh Zagnahary ka napisiry anizeho teo ambonin'i Jona hagnalokaloky gny lohany so hagnameva gny fahoriany. Tena faly vatany i Jona nohon'gny amin'gny hazo.7Fe nagnoma kankana Zagnahary tamin'gny fiposahan'gny masoandro gny hamaray maraindray. Nizera gny hazo zeho ka dra maiky gny hazo.8Vo nofa niposaky gny masoandro gny hamaray maraindray, dra nagnoma sioky mahama lat'agny asinagna Zagnahary. Vo koa, namely gny lohan'i Jona gny masoandro hany ka lany hery izy. Dra nagniry gny hahafatesany i Jona. Ho izy tamin'gny vatany ho: " Aleoko maty toy zaay ho velo."9Dra ho Zagnahary tamin'i Jona: " Mety se zeho hahorianiha lahibe gny amin'gny hazi zeho?" Dra ho i Jona ho: " Mety gny hahoriako, ndre gny amin'gny fahafatesa aza."10Ho Yaveh ho: " Niferegnay an'gny hazo hanao, zay sy niasaniha, na napisirianiha. Nisiry tao agnatin'gny hariva ray zeho dra maty tao agnatin'gny hariva raiky.11Manahaky anizay koa gny Aminahy, sy tokony hiferegnay an'i Ninive, gny tana lahibe, ze misy vahoaky mihoasy gny zato vo ro aly ze sy mahay gny fahasambihafa eo amin'gny tagna ankavana vo gny tagna ankavian'ereo, vo reo biby fiteza maro avo koa se Zaho?

Micah

Chapter 1

1Zao gny zakan'i Yaveh ze avy tamin'i Mika Morastita taminigny andron'i Jotama, Ahaza, vo Hezekia, reo pazakanigny Joda, gny zaka ze hitany nahakasiky an'i Samaria vo Jerosalema.2Mitenoa, hadrareo ry vahoaky. Mitenoa, ry tany, vo izay rehetra eo aminao. Aoka gny tompo Yaveh gny ho vavolombelo hanohisy adrareo, gny tompo avy ao amigny tempoliny masina. 3Ingo, Yaveh miboaky avy ao amigny fitibihany; hidina izy dra hagnisaky egny amin'ireo fitibiha avon'ny tany. 4Ireo tedrombohosy hiempo eo amabniny; dra lohasaha hisoniky manahaky gny savoky alohan'ny afo, manahaky gny rano izay arosaky agny amigny hasana.5Izay rehetra izay dra noho gny fikomian'i Jakoba, dra noho ireo fahotan'ny taranak'Israely. Ino gny anton'ny fikomoan'i Jakoba? Moa sy i Samaria se? Ino gny anton'ireo avon'i Joda? Moa sy i Jerosalema se?6"Hanao an'i Samaria ho korotam-bato egny asaha Zaho, manahaky gny toera fambolem-boaloboky. Hanosiky reo orim-batony ho egny andohasaka Zaho; dra hapiharihary reo fagnambaniny. 7Ho voatorotoro reo sari-raha voasokiny aby; dra ho ma aby reo fagnomezany. Reo sapiny aby hopotehiko. Akory boak'amireo fagnomeza ho anigny fizangazangany gny namoriany anio, dra taminigny saranigny fivarota-tegna gny hiheregnan'iregny."8Noho zay atony zay dra hitaray vo hindradradradra zaho; handeha sy misy kapa zaho dra mifahasy; hindradradradra manakahy gny amboa mola zaho dra handala manahaky gny vorondolo. 9Fa sy ho sitrany sasy gny feriny, akory boaka Joda agny zay. Fa nahatrasy gny vavahadinigny vahoako zay, dra agny jerosalema. 10Ka mizaka gny momba zay agny Gata; ka tomagny sasy. Ao Beti-le-afra zaho gny magnosisy botany gny vatako.11Mandalova ami-pitazaha vo hegnasy, ry ponin'i Safira. Ka miboaky ry ponin'i Zanana. Aoka Handala i Beti-haezela, akory nala gny ferovan'ereo. 12Fa mandigny ami-pitaitaigna gny vaovao mahafaly reo ponin'i Marota, akory nilasaky boak'amin'i Yaveh ho ao aminigny vavahadin'i Jerosalema gny loza.13Fehezo aminigny ali-sovala malaky fandeha gny kalesy, ry ponin'i Lakisy. Ino, ry Lakisy, gny fiandoha-pahota ho anigny zanakapen'i Ziona, akory hita tagny aminao reo fahalotoan'Israely. 14Ko dra homenao taratasy fisora i Moresetagata; gny renivohis'i Akziba handiso fanatena reo pazakan'Israely.15Hinday pandresy ho agny amindrareo ndraiky Zaho, ry ponin'i Maresa; ho avy agny amin'i Adolama gny famirapiras'Israely. 16Harato gny lohandrareo dra tapaho gny volondrareo ho an'ireo zanandrareo ze akasitrahandrareo. Solao manahaky gny voromahery gny vatandrareo hatao sesi-tany hiala ao amindrareo.
Chapter 2

1Loza ho anize mamoro-keloky, ho anize mandrafisy gny hanao rasy eo apandriany. Aminigny maray gny anovan'ereo anizay akory mana fahefan'ereo. 2Magniry saha ereo dra giazany zay; magniry tragno ereo dra mangalaky anizay. Mapahory olo vo gny akohonany ereo, dra olo vo gny lovany.3Niho zay dra izao gny zakan'i Yaveh ho: "Ingo, fa minday loza hamely anizay fianakavia zay Zaho, ze sy hangalandrareo gny tendrandrareo. Sy handeha ami-piavognavogna handrareo, akory dra ho fotoa rasy zay. 4Amizay andro zay dra hivety hira momba andrareo reo fahavalondrareo, dra handala aminigny hira fandala. Ereo hihira ho: 'Rava tateraky zahay Israelita; Yaveh magnova gny faritaninigny vahoako. Nagnino gny hangalany anizay aminahy? Mizara reo sakanay ho an'ireo pamadiky Izy!"' 5Noho zay, handrareo ry panakarena dra sy ba hana taranaky hizara gny faritany aminigny loka ao aminigny fengonan'i Yaveh.6"Ka maminany," hoy ereo. "Aoky ereo sy haminany reo raha reo; aoky sy ho avy gny fahafam-baraka." 7Ry taranak'i Jokoba, moa tokony zaka vatany ra zao ho: "Ory ra gny Fagnahin'i Yaveh? Moa tena asany ra reo?" Moa sy mapahasoa anizay mandeha mahisy ra gny zakako? 8Agny afara kely dra hisanga manahaky gny fahavalo gny vahoako. Manala gny tohitegna, gny akazo, egny amize mandalo sy ami-piahia handrareo, manahaky reo miaramila mihery boak'agny agnaly ho agny amize heveriny fa mandry fahalema.9Alandrareo amireo tragno tiatiany gny apela vahoako; sitonindrareo aminigny zanak'ereo mandrakizay gny fitahiako. 10Misangana ka mela, fa sy toera ahafahandrareo mitoby etiky, noho gny fahalotoany; nipotehy taminigny fahapoteha tateraky ty. 11Raha misy olon'avy agny amindrareo aminigny fagnahinigny favandia vo dra manao anizahoky ho: "Haminany aminao momba gny divay vo raha finomy mahery zaho," dra hahery ho paminany ho anizay vahoaky zay izy.12Hamery andrareo aby vatany Zaho, ry Jakoba. Hamory gny sisa amin'Israely vatany Zaho. Hinday anereo manahaky gny agnondry ao aminigny andiany, manahaky gny agnondry maro eo agnevonigny fihinanam-bilony Zaho. Hisy feo fatrasy noho gny fahamaronigny vahoaky. 13Ze olo mamaky dra manokaky gny lalan'ereo ho anereo dra handeha eo agnoloanereo. Handeha hamaky gny vavahady ereo dra hiboaky; gny pazakan'ereo gny handeha eo agnoloany. Yaveh gny ho pitariky anereo.
Chapter 3

1Hoy zaho: "Mitenoa amizao, handrareo ry pitarik'i Jakoba vo panapaky gny tarana'Israely: Moa ra sy mety amindrareo gny mahatakasy gny fahamarigna? 2Handrareo ze malaiky gny soa vo tia gny rasy, handrareo ze mandrava gny holis'ereo, gny nofon'ereo aminigny tolany__3hanao ze mihina gny nofonigny oloko avo koa, dra mandrava gny holiny, manapaky gny tolany, dra mamakivaky anereo, manahaky gny hena atao ao ambilagny, manahaky gny hena atao ao aminigny fahandroa-kena.4Dra hitoka fatrasy an'i Yaveh handrareo panapaky, nefa sy hamaly andrareo Izy. Hagnavony gny tarehiny amindrareo Izy amizay fotoa zay, akory fa nanao asa rasy handrareo."5Zao gny zakan'i Yaveh momba ireo paminany ze napirenireny gny oloko: "Ho anize namahan'anereo dra hizaka ereo ho: 'Hisy fagnambina.' Fa ho anize sy nagnisy na ino na ino ao am-bavany, dra hanomboky hialy aminazy ereo. 6Noho zay, dra hariva ho andrareo zay dra sy hisy fahita ho andrareo; ho mezy zay ba sy hanovandrareo sikily. Hiletiky amireo paminany gny masoandro, dra ho mezin'amin'ereo gny andro. 7Ho megnary reo pahita, dra ho very hevisy reo pisikily. Hagnapia gny molony izy aby, akory sy misy valiny boak'aminahy atiky."8Fa raha gny aminahy, dra feno hery noho gny Fagnahin'i Yaveh zaho, sady feno fahamarigna vo fahereza, ba hitalily amin'i Jakoba gny helony, vo amin'Israely gny fahotany.9Mitenoa izao, handrareo pitariky gny taranak'i Jakoba, vo panapaky gny taranak'Israely, handrareo ze malaiky fahamarigna, vo magnody gny raha marin'aby. 10Manangana an'i Ziona aminigny lio vo Jerosalema ami-pahota handrareo. 11Misara noho gny kolikoly reo pisarandrareo, mapianasy noho gny tamby reo pisorondrareo, dra maminany noho gny vola reo paminanindrareo. Nefa handrareo miakin'amin'i Yaveh dra manao ho: "Moa sy momba asika ra Yaveh? Ko dra sy hisy rasy hahazo asika."12Noho zay, noho hanao, dra hasay manahaky gny saka i Ziona, ho korotam-bato i Jerosalema, dra hanahaky gny havoa rakos'ala gny havoanigny tepoly.
Chapter 4

1Fa aminigny andro farany dra hiorin'eo amireo tendrombohisy hafa gny tendrombohisy gny tragnon'i Yaveh. Hasandrasy agnabon'ireo havoa zay, dra hitazozosy magnagny amizay reo vahoaky.2Handeha reo firenena maeo dra hanao anizahoky ho: "Avia, handeha sika hiakasy agny an-tendrombohis'i Yaveh, agny an-tragnon'Agnaharin'i Jakoba. Hapianasy asika reo fombany Izy, dra handeha amireo lalany sika." Fa boak'ao Ziona gny hiboahanigny lalana, dra boak'ao Jerosalema gny zakan'i Yaveh. 3Hisara amireo vahoaky maro Izy hanapa-kevisy mahakasiky reo firenena maro lavisy. Hively gny mesan'ereo ho fangaly ereo dra gny lefony ho faneteza. Sy hananga mesa hifamely gny firenena, na hizasy ho aminigny aly sasy.4Fa koa, hanoby gny olo sirairay ambaninigny voaloboky vo ambaninigny hazon'aviaviny ereo. Sy hisy olo hapatahosy anereo, fa gny vavan'i Yaveh toponigny maro gny fa nizaka. 5Fa gny vahoaky aby dra mandeha, gny sirairay, aminigny agnaranigny zagnahariny. Fa isika dra handeha aminigny agnaran'i Yaveh Zagnaharisika mandrakizay doria.6"Amizay andro zay" hoy Yaveh dra "Hamory gny malemy vo hamory reo vahoakao Zaho, dra reo ze napahoriako. 7Hataoko ho sisa tavela gny malemy, dra ho firenena matazaky reo ze voaroaky, dra Izao, Yaveh, gny hazaka amin'ereo ao an-tendrombos'i Ziona, amizao dra ho mandrakizay. 8Dra hanao, ry tilikambo fiambena gny agnondry aman'osy, havoanigny zanakapelan'i Ziona__dra ho avy aminao zay, hihery gny fanapahanao taloha, dra gny fazaka ze anigny zanakapelan'i Jerosalema.9Amizao, nagnino gny mikioky fatrasy hanao? Sy misy pazaka ra eo aminao? Maty ra gny panolosainao? Zay ra gny mahatonga gny fanaitaigna mahazo anao manahaky gny apela eo am-piteraha? 10Aoky hanaitay dra hihesi-zaza raha hiteraky, ry zanakapelan'i Ziona, manahaky gny apela miteraky. Fa amizao hanao dra hiboaky gny tana, hitoby agny agnahisy, dra handeha agny Babylona. Agny gny hagnavotan'anao.Agny gny hagnavotan'i Yaveh anao eo atagnan'ireo fahavalonao.11Amizao movondrogna hanohisy anao reo firenena maro; hoy ereo: 'Aoky ho voaloto izy; aoky gny masosika hifaly amin'i Ziona.'" 12Hoy gny paminany: '"Sy fatas'ereo gny eriseris'i Yaveh, sady sy manahaky gny fikasany, fa namory anereo manahaky gny amboara ho eo am-pamoloa Izy."13Hoy i Yaveh: "Misangana dra miveleza, ry zanakapelan'i Ziona, fa hataoko vy gny tandrokao, dra hataoko varahy gny kitronao. Hanorotoro vahoaky maro hanao. Zaho hanoka reo hareny sy ara-drariny ho anigny vatako, Yaveh, gny fanagnan'ereo honahy, gny toponigny tany manotolo."
Chapter 5

1Amizao mindresa ao aminigny filaharan'aly, ry zanakapelan'ireo miaramila; fa nanoby tovo-tany magnodidy gny tanan'ireo maramila, aminigny sora-kazo gny hamelezany gny pisaranigny Israely eo aminigny takolany.2Nefa hanao, ry Betlehema Efrata, na dre farany masaiky eo amireo fokon'i Joda aza hanao, dra ao aminao gny iboahanigny olo hagneo Aminahy ba hanapaky gny Israely, ze hatramin'ireo fotoa faela gny fiandohany, dra haharisy mandrakizay. 3Noho zay dra hahafo anereo i Zagnahary, hatraminigny fotoa hitrotroagnani'ze mihesi-zaza, dra gny tavela amireo anadahiny dra hiherin'agny aminigny vahoakin'Israely.4Hizoro Izy dra handigny gny agnondry aman'osy aminigny herin'i Yaveh, aminigny voninahisy gny agnaran'i Yaveh Zagnahariny. Hitoby ereo, dra akory ho lahibe hatragny aminigny faranigny tany Izy. 5Ho fedagnasika Izy. Gny fa avy ao aminigny tanisika reo Asyriana, gny fa manao liambe hanohisy reo ferova mafisika anereo, dra hisanga hanohisy anereo aminigny piaraky agnondry fito vo pitariky valo amireo olo sika.6Handigny gny taninigny Asyria ami-mesa ereo, vo eo gny fidira ao amizay gny tanin'i Nimroda. Hagnavosy asika aminigny Asyriana Izy, gny fa avy eo aminigny tanisika ereo, gny fa manao liambe agnatinigny faritanisika ereo. 7Gny sisa tavela amin'i Jakoba dra ho eo agnevon'ireo vahoaky maro, manahaky gny ando boak'amin'i Yaveh, manahaky gny ranon'ora eo aminigny ahi-meso, ze sy mandigny olo, dra sy mandigny gny zanak'olombelo ereo.8Gny sisa tavela amin'i Jakoba dra ho eo amireo firenena, eo amireo vahoaky maro, manahaky gny liona eo amireo biby agny agnala, manahaky gny liona tanora eo amireo agnondry maro. Gny fa mamakivaky eo amireo izy, drahagnosihosy vo hamotipotiky reo, dra sy hisy olo hamozy anereo. 9Hisandrasy hamely reo fahavalonao gny tagnanao, dra hamotiky anereo zay.10"Zao gny hitranga amizay andro zay" hoy Yaveh "Hovonoko eo aminao reo sovalanao dra hopotehiko reo kalesana. 11Horavako reo tana eo aminigny taninao dra harodako gny mandanao aby.12Hopotehiko gny sikily eo atagnandrareo, dra sy hana pisikily sasy hanao. 13Hopotehiko reo sary sokisao vo reo sangam-batonao eo aminao. Sy hanopo gny asa-tagnanao sasy hanao. 14Hofongoriko eo aminao reo tananao. 15Hagnatateraky valifaty ami-fahoria vo fahasiaha eo amireo firenena ze sy nakato Zaho."
Chapter 6

1Amizao mitenoa ze zakan'i Yaveh: "Misangana dra alaharo eo agnatrehan'ireo tendrombohisy gny raharahandrareo; aoky reo havoa hahare gny feondrareo. 2Mitenoa gny alin'i Yaveh, handrareo ry tendrombohisy, vo handrareo fagnambany maharisy tany. Fa manan'aly aminigny vahoakiny Yaveh, dra hialy hanohisy gny Israely eo aminigny fisara Izy."3"Ry oloko, ino gny nataoko andrareo? Nagnino gny nandrerahako andrareo? Mizoroa vavolombelo hanohisy Anahy! 4Fa nandesiko niakasy hiboaky gny tany Egypta handrareo dra navotako hiboaky gny tragno fanandevoza. Nagniraky an'i Mosesy, Arona, dra Miriama tamindrareo Zaho. 5Ry oloko, sarovy ze niheverin'i Balaka pazakan'i Moaba, vo gny fomba namalian'i Balama zanak'i Beora anazy raha nandeha nagnagny Sitima dra hatragny Gilgala handrareo, ba hahafahandrareo mahafatasy gny asa-marin'i Yaveh."6Ino gny tokony handesiko ho an'i Yaveh, raha mekohoky eo amin'Agnahary Avo zaho? Tokony ho avy eo Aminazy miaraky aminigny fagnatisy oroa, aminigny zanak'agnomby heritao ra zaho? 7Moa ra Yaveh hakasitraky agnondrilahy agnarivony, na oni'dililo agnaliny? Tokony hanolosy gny lahimatoako noho gny heloko ra zaho, gny naterako noho gny fahotako avo? 8Fa nizaka anao Izy, ry olo, ho ino gny soa, dra ono gny taken'i Yaveh aminao: Manova gny mary, tiava ami-pahasora, dra mandehana ami-panetre-tegna mindray amin'Agnahary.9Manao fagnambara aminigny tana gny feon'i Yaveh__na gny fahendre aza amizao dra miaiky gny agnaranao: "Tenoy gny sora-kazo, vo gny olo ze nanoby anizay taminigny fitoerany. 10Misy harena ao atragnonigny rasy fagnahy sy mary, dra fandrefesa mavandy ze fahavetaveta.11Tokony hihevisy gny olo ho sy mana-signy ra Zaho raha mapiasa mizana mavandy izy, mindray aminigny tatinao fandaza mamitaky? 12Feno herisetra gny pana-karena, fa nizaka vandy reo pony, dra pamitaky gny lelany ao ambavany.13Noho zay dra namely anao taminigny rasy maharary Zaho, fa nataoko ho rava noho reo fahotanao hanao. 14Hihina hanao fa sy ho afa-po; hitoby ao agnatinao gny haresianao. Hamory harena hanao fa sy hahavy, dra ze voavorinao dra homeko gny mesa. 15Hamafy hanao fa sy hiziza; hagnisakisaky oliva hanao fa sy hihisosy dililo; hagnosihosy voaloboky hanao fa sy ba hino divay.16Reo fisipiky nataon'i Omry dra fa voatandry, dra reo asanigny taranak'i Ahaba aby. Mandeha araky ze torohevis'ereo hanao. Ko hataoko, ho faharava, hanao ry tana, dra raha mapisitrisitry handrareo ry pony, dra hizaka lasa manahaky gny vahoako handrareo."
Chapter 7

1Lozako! Fa honahy zay dra gny ho tapisy gny fiotaza gny tegnakazo, sady koa famoria gny ambi-boaloboky ao aminigny tanimboaloboky: Sy misy sapahom-boaloboky hita sasy, sy nisy tamireo aviavy niali-tao ze niriako fatrasy. 2Nazavo taminigny tany gny olo mahatoky, sy misy olo-mahisy ao aminigny olombelon'aby. Magnotriky handasa-dio avokoa izy aby; gny sirairay magnety gny rahalahiny aminigny harato avo.3Mailaky amigny fanova-drasy gny tanan'izy ireo: Mitaky vola ireo panapaky, vono amigny kolikoly gny pisara, dra mizaka amin'ireo hafa izay tiany ho azo gny lelahy matazaky. Dra manahaky an'izay gny iarahany miteti-drasy. 4Gny soa indrindra amin'izy ireo dra manahaky gny roy, gny mahisy indrindra dra fefy silo. Izay dra andro fa volazan'ireo pitilinao mialoha, dra gny andro famaizana adrareo. Izao gny fotoan'ny fahaverezan-kevisy izy ireo.5Ka matoky piara-belo; aza mametra-pitolisana amigny namana. Tadremo ze zakanao na amigny vehivavy izay mandry eo asadrinao aza. 6Fa hanirasira gny babany gny zanaky lahy, hisanga hanohisy an-dreniny gny zanaky apela, dra gny vinanto apela hanohisy gny rafozam-baviny. Gny olo ao an-tragnony avo gny fahavalon'ny olo7Fa raha izaho avo, dra hagnety an'i Yavehzaho, handigny gny Zagnahariny gny famozena anahy zaho; hiteno anahy gny Zagnahariko. 8Ka mifaly aminahy, dra fahavaloko. Fa gny lavo zaho, dra hiarina draiky. Raha mitoboky ao amigny mezy zaho, dra Yaveh gny ho fahazavana hon'ahy.9Satria nanota tamin'i Yaveh zaho, dra hizaka gny hatezerany mandra-pandahany gny zakako, vo hagnataterahany fisarana hon'ahy. Hinday anahy ho eo amigny fahazavana izy, dra hahita anazy magnavosy anahy ao amigny fahamarinanay zaho.10Dra hahita izay ireo fahavaloko, dra gny hegnasy gny hagnaro izay nizaka taminahy ho: ''Eza Yaveh Zagnahario?'' Hagnety anazy gny masoko; ho voahosihosy manahaky gny fataky egny an-dalana izy.11Ho avy gny andro hanangana gny mandanao; amin'izay andro izay dra hitarina hatragny lavisy ireo faritaninao. 12Amin'izay andro izay dra ho avy aminao gny vahoakinao, avy agny Asyria vi ireo tanana agny Egypta, avy agny Egypta dra hatragny amigny reninao lahibe, Eofrata, avy amigny ranomasina, dra avy amigny tedrombohisy dra hatragny amigny tedrombohisy. 13Ireo tany ireo dra hilaozana noho gny vahoaky izay mitoboky ao ankehitriny, noho gny vokasy gny asan'ny ireo.14Ambeno amigny sora-kazonao gny vahoakinao, dra gny agnondry miaraky amigny osy lovanao. Mitoboha raiky agny agnala izy ireo, eo agnevon'ny tanimboly. Aoka izy ireo horaoky agny Basana vo Hileada manahaky gny tamigny ndro izay niboahanao gny tany Egypta, dra haneho fahagagana anazy ireo zaho.16Hanita dra ho magnasy gny heriny rehetra ireo firenena. Hitampim-bava izy ireo; hagnery gny sifin'izy ireo. 17Hilelasy gny botany gny bibilava, manahaky gny zava-boary izay mige amigny tany izy ireo. Hiboaky avy ao an-davany amitahosy eo aminao izy ireo, dra Yaveh Zagnaharinay, dra hatahosy naho hanao.18Iza gny Zagnahary manahaky anao, hanao izay mangalaky fahotana, hanao izay mandalo ambonin'ny heloky gny sisa tavela amigny lovanao? Sy mita gny fahatezerana hanao, satria tianao gny maneho gny famidra-ponao aminay.19Hangoraky anay draiky hanao; hagnisaky ireo helokay ambany tombokao hanao. Hagnary gny otanay rehetra ao amin'ireo lalin'ny ranomasina hanao. 20Hagnome gny marina ho an'i Jakoba vo famidra-po ho an'i Abrahama hanao, manahaky gny nianiananao tamin'ireo razambeny tamin'ireo andro fahiny.

Nahum

Chapter 1

1Gny fagnambara mahakasiky an'i Ninive. Gny bokin'gny fahitan'i Nahoma, gny Elkosita.2Zagnahary saro-piaro sady mamaly faty YAveh. Mamaly faty sady feno hahoria Yaveh. Mamaly rasy amin'ireo pifagnandry aminazy Yaveh, sady manohy gny hahoriany ho an'gny fahavalony Izy.3MAhari-po sady lahibe amin'gny heriny Yaveh; sy hagnambara reo fahavalony ho sy manan-signy velively Izy. Hanao gny lalany amin'gny tafio-drifosy Yaveh, vo gny raho gny botany gny tombony.4Mizaka fatrasy gny ranomasy Izy dra magnamaiky anizay; mandrisy gny renirano aby Izy. Ketraky i Basana, dra i Karmela avo koa; malazo reo vonikazon'i Libanona.5Mihovisy amin'gny fagnatrehany reo tendrombohidy, vo mietry reo havoa; miroda amin'gny fagnatrehany gny tany, eka vatany, gny tany vo ze olo aby mitoboky aminazy ao.6Ia gny hahazoro eo agnatrehan'gny hahoriany? Ia gny hahatohisy gny firehetan'gny hahoriany? Miraraky manahaky gny afo gny hahoriany, nivakivakiny reo vatolapy.7Soa Yaveh, ferova fatrasy amin'gny andro fahoria; sady mahatoky amin'ize mialoky aminazy Izy.8Fa hanapisy tateraky reo fahavalony amin'gny tondra-drano manafosy koa Izy; hagnitriky andreo agny amin'gny hezy Izy.9Mitetiky ino anohera an'i Yaveh handrareo ry vahoaky? Hamara tateraky anizay Izy; sy hisondrosy fagnindrony gny fahoria.10Fa ho reki-tahosy manahaky gny kirihisy silo; ho safosy gny raha finomy; ho levon'gny afo tateraky manahaky gny mololo maiky ereo.11Nisandrasy tao aminiha, ry Ninive, gny olo ze nikasa raha rasy hagnohera an'i Yaveh, dra olo ze nandrisiky faharasia.12Zao gny zakan'i Yaveh: " Ndre dra ao amin'gny tazakiny tateraky vo maro isa aza ereo, dra ho ripaky ereo; sy hisy olo sasy. Fa hanao, ry Joda: Ndre dra napahory aniha aza Zaho, dra sy hapahory aniha sasy Zaho.13Dra hanapaky gny ziogan'ireo olo ao aminiha Zaho; hanapaky reo fatosiniha Zaho."14Fa nagnome beko mahakasiky aniha Yaveh, ry Ninive: " Sy hisy sasy gny taranaky handay gny agnaraniha. Hagnombosy reo sari-draha voasokisy vo reo sarin-draha an-idina amin'ireo fasangen'ireo zagnahariniha Zaho. Hialy reo fanasaniha Zaho, akory sinosino hanao."15Ingo, egny an-tendrombohisy gny tomboky gny olo ze manday vaovao mahafaly, zay magnambara fiadagna! Akalazao reo firavoravoandrareo, ry Joda, dra efao reo voadindrareo, fa sy holefa andrareo sasy gny rasy fagnahy; ripaky tateraky izy.
Chapter 2

1Miakasy hanohisy aniha gny hanorotoro aniha ho sainga maromaro. Mametraky piamby eo amin'gny fefin'gny tana, ambeno reo lala, atazaho gny vatandrareo, avosio reo tafikindrareo.2Fa mapihery amin'gny laoniny gny voninahis'i Jakoba manahaky gny voninahis'Israely i Yaveh, ndre dra niravan'gny mpandroba aza ereo sady nipotahy reo sampam-boalobokiny.3Gny apingan'ireo lelahy mahery dra mena, vo reo lelahy be heri-po miakazo zaky; manzelasy gny metalin'ireo kalesy amin'gny andro dra fa nahy ho vono zay, vo gny lefa kypreso dra mihevaheva egny amin'gny rivosy.4Mirifasy eraky gny lala reo kalesy; mifagnaresaky etoky vo erihoky egny amin'gny lalam-be ereo. Mitovy amin'gny fagnilo ereo, dra milomay manahaky gny selasy.5Mitoka reo mana-pahefany gny hanorotoro aniha ho singa; mifaminga egny amin'gny lalany ereo; mandeha malaky ereo so hanafiky gny fefin'gny tany. Novono gny ferova lahibe so hiaro reo panafiky.6Reo vavahady eo amin'gny renirano dra notere sokafa, dra miroda ho amin'gny faharava gny lapa.7Nendahy gny akazon'i Hozaba dra nala; mitoloky manahaky gny voromailala sady miteha-tratra reo panopo apelany.8Manahaky gny ranom-parihy mitete i NInive, dra milefa manahaky gny rano mikoria gny vahoakiny. Gny hafa mihiaky ho: " Mizanogna, mizanogna," fe sy misy mitoliky.9Alao babo gny volafosy, alao babo gny volamena, fa sy hisy fiafarany zay, ho an'gny famirapiratr'ireo raha-sarobidin'i Ninive aby.10Foa sady ravarava i Ninive. Ory gny fon'gny olo aby, nindray valaketraky gny pokopoko gny olo aby, ao amin'gny olo aby gny fahoriam-be; hasatry aby gny tarehin'ero.11Amizao eza gny lavaky gny liona, gny toer ze famahana gny liona tanora, gny toera fandehan'gny liona lahy vo vavy, mindray amin'ireo zanaky liona, zay natahoran'ereo ndre ino ndre ino?12Mamotikipotiky reo hazany ho an'gny zanany gny liona; nagnakenda reo hazany ho an'gny liona vavy izy, sady nameno gny zohiny tamin'ireo haza, gny lavany amin'gny sisan-tolany voapotipotiky.13" Ingo, hanohisy aniha Zaho---zay gny fagnambaran'i Yaveh Tompon'gny maro. Horoako ao amin'gny setroky reo kalesiniha, sady handevo reo liona tanoraniha gny mesa. Ho fangoriko amin'gny taniniha reo baboniha, sady sy ho re sasy gny feon'ireo panday hafasiniha."
Chapter 3

1Loza ho an'gny tana feno lio! Feno vandy vo fanagna hakasy aby zay; ao aminazy mandrakariva reo babo.2Fa amizao dra misy feon'gny karavasy vo gny feon'gny firodorodon'ireo kodiara, fikatrokatrok'ireo sovaly, vo gny firaondraon'ireo kalesy.3MIsy fanafihan'ireo pitikisy sovaly, selasy gny mesa, famirapirasy gny lefo, korotam-paty, faty mitandahasy. Sy misy fiafarany reo faty; voafinga eo ambon'ereo gny panafiky anazy.4Mitranga zay noho gny filan'gny zanga soa tarehy, gny matihany amin'gny sikily, ze mivarosy firene amin'gny alalan'gny fivarotam-batany, vo gny vahoaky amin'gny alalan'gny fanaovaby sikily.5" Ingo, halemy aniha Zaho--- zay gny fagnambaran'i Yaveh Tompon'gny maro--- hapienga gny lambaniha eo amin'gny tarehiniha Zaho dra hapiseho reo farisy mamoafadiniha amin'ireo firene, gny hegnasiniha amin'ireo fanzaka.6Hanoraky fahalotoa mapadikidiky aminiha Zaho sady hanao aniha ho rasy; hahiko ho olo fagnetihetin'gny olon'aby hanao.7Vo gny olon'eby ze magnety aniha dra hilefa aniha sady hizaka ho: " Rava i Ninive; ia gny mbo hitomagny anazy?" eza gny ahitako olo hakahery aniha?"8Nao ra Ninive, sa ra hanao soa noho i Teba, ze naory eo amin'gny Renirano Neily, ze nisy rano magnodidy anazy, dra ranomasimbe gny arony, gny ranomasy avo gny fefiny?9Etiopia vo Egypta gny tazakiny, dra sy nisy fiafarany gny amin'izay; Pota vo Lybia gny pindray mialy taminazy.10Fe nandesy i Teba; lasa agny amin'gny fahababoa izy; voatorotoro tegny an-dohan'gny lala reo zanany tanora; nanoraky filoka ho an'ireo lelahy manam-boninahisy reo fahavalony, dra voafatosy tamin'ireo rozo vy reo lelahiny mahery.11Ho avy mamo avo koa hanao; hiezaky hivony hano, sady hitalia felofa amin'ireo fahavaloniha avo koa hanao.12Reo ferovaniha fatrasy dra manahaky reo hazon'aviavy mindray amin'gny aviavy masaky alohan'gny fotoa: no ahozongozo ereo, dra hihinsa eo am-bavan'gny pihina.13Ingo, gny vahoaky ao aminiha dra apela; reo vavahadin'gny taniniha dra nosokafa midagnadagna ho an'ireo fahavaloniha; nandevo gny hiliny gny afo.14Mandehana mangala rano ho amin'gny fahirani; hamafiso reo ferovaniha mafiniha; mandehana amin'gny tanimanga dra hosihoseo gny feta; alao ho an'ireo biriky gny tavy.15Handevo aniha agny gny afo, dra handringa aniha gny mesa. Handevo aniha manahaky gny fandevognan'gny valala gny raha aby zay. Ahivo maro an'isa manahaky reo valala vao gny vatandrareo, dra ho maro manahaky reo valala.16Napitombo reo pandrantoniha mihoasy gny vasia egny amin'gny lagnisy hanao; fe manahaky gny valala vao izy regny; mandroba gny tany ereo dra boakeo dra lasa mitily.17Maro manahaky reo valala gny andriandahiniha, vo gny zeneraliniha dra manahaky gny andian'ereo ze mitoby ao amin'ireo fefy amin'gny andro manara. Fa nofa miposaky gny masoandro dra mitiky agny amin'gny toera sy fatan'olo reo.18Ry Pazakan'i Asyria, resin-tory reo piaraky agnondriniha; mandry amin'gny fizanognany reo panapakiniha. Niely egny an-tendrombohisy gny oloniha, dra sy misy ndre ia ndre ia hamory andreo.19Sy hisy fagnasitragna hay ahy ho an'ireo ratriniha. Fatrasy loasy reo ratriniha. Ze iaby mahare gny vaovao mahakasiky aniha dra hiteha-pifalia eo aminiha. Ia gny afaky nilefa gny faharasianiha mitandava?

Habakkuk

Chapter 1

1Gny hafasy ze niresin'i Habakoka paminany: 2"Ry Yaveh, mandra-pahovia gny hitokavako vozy, dra sy hiteno hanao? Nitoka fatrasy Anao tao agnatinigny horohoro zaho ho: "Herisetara!" nefa sy hamozy anahy hanao.3Nanao akory gny ataonao mahita haoria zaho dra mahita gny fanovan-drasy? fadrava sy heriloha gny eo alohako; misy fifandira, dra fanangana fifazevogna. 4Noho zay dra sy nanakery gny lalana, dra sy naharisy taminigny fotoan'aby gny rariny. Fa niodidy gny fahamarigna gny rasy fagnahy; ko dra miboaky gny rariny diso." Mamaly an'i Habakoka Yaveh.5"Atio reo firenena dra hadihadio ereo; aoky ho gaga vo ho talazo! Fa hanao raha vatany Zaho amireo androndrareo ze sy hinoandrareo gny fa tetery amindrareo zay. 6Fa ingo! Hanandrasy reo Kaldeana Zaho__gny firenena masiaky vo maherisetra__ manao liam-be manera gny sakanigny tany ba hambabo reo tragno ze sy anereo izy. 7Mapihorohoro vo mapatahosy ereo; boak'aminigny vatan'ereo gny fisarany vo gny famirapiratany.8Reo sovalany avo koa dra malaky fandeha noho gny leoparda, mailaky noho gny amboa mola. Ko miriosy gny sovalan'ereo, dra boaky lavisy agny gny pitikisy sovalan'ereo_mitily manahaky gny voromahery meky hihina ereo. 9Avy noho gny herisetra avokoa izy aby; mandeha manahaky gny sioky agny agnefisy gny vahoaky maron'ereo, dra mamory reo trasy babo manahaky gny fasy ereo.10Ko nanirasira reo pazaka ereo, dra reo panapaky dra fihomeheza ho anereo fosiny avo. Nihomehy gny ferovan'aby ereo, akory nanasavovo tagny ereo dra nanambosy anereo. 11Dra ho avy gny sioky; handalo zay__olo-ory, reo ze heriny gny zagnaharin'ereo." Mametraky fagnotania hafa amin'i Yaveh i Habakoka.12"Moa ra sy boak'aminigny fotoa fahiny Hanao, ry Yaveh Zagnahariko, gny raiky Masiko? Sy ho maty zahay. Fa nanendry anereo hosara Yaveh, dra Hanao, ry Vatolapy, gny fa nanoby anereo ho ahisy.13Malio loasy gny masonao raha handiniky gny rasy, dra sy afaky gny hagnety ami-sitraky gny fanovan-drasy Hanao; ko nagnino se gny nanao fegnety soa reo ze mamadiky Hanao? Nagnino gny mangina hanao raha mitely reo marina kokoa noho ereo gny rasy fagnahy? 14Nataonao manahaky gny hazandrano ao andranomasy gny olo, manahaky reo raha mandaly sy misy panapaky anazy.15Mapiakasy anazy aby aminigny fita ereo; misito olon'ao aminigny harata-pia ereo dra mamory reo ao aminigny haratony. Zay gny atony hifalian'ereo vo hihikany fatrasy. 16Noho zay dra nanao soro ho an'ireo harato-pia ereo dra nagnoro liti-kazo magnisy ho an'ireo haratony, fa liti-dia matavy gny azaran'ereo, dra hena matavy gny sakafony. 17Moa ra hagnafoa gny haratony ereo dra hanohy hamono reo firenena, sy mahasapa fangoraha-po?"
Chapter 2

1Hisanga eo aminigny fembenako zaho dra hapizano gny tagnako eo aminigny tilikambo fembena, dra hagnety soa zaho ba hahita ze hozaka aminahy vo gny fomba helako aminigny fitaraignako.2Namaly anahy Yaveh dra nizaka ho: "Raketo zao fahita zao, dra sarosy mazava eo amireo vato pisaky dra ze mamaky anazy aby dra ho afaky hamaky anereo mora foa. 3Fa ho avy aminigny fotoa gny fahita dra hitranga avo aminigny farany fa sy ho foa. Na dre tara aza zay, dra lignisa. Fa sy maisy ho avy zay dra sy hitarendresy.4Ingo! Ze mana-pagniria sy marin'ao agnatiny dra mieboebo. Fa gny olo-mary dra ho velo noho gny finoany. 5Fa gny divay dra padiky gny zatovolahy piavognavo ba sy hitoerany, fa hagnitasy gny fagniriany manahaky gny lolo, dra manahaky gny maty, ze sy mety afa-po mihisy. Angony ho anazy gny firenena aby dra hangony ho anazy gny vahoak'aby.6Sy hamoro fomba fizaka hanesoan'anazy dra hira fanesoa momba anazy ra zay aby zay, dra hanao anizahoky ho: "Lova ho anize mapitombo gny sy anazy! Fa mandrak-ombia gny hapitomboanao gny lazanigny atoky ze nalanao?" 7Sy hisanga tapoky ra reo ze manifasy anao, dra hifoha reo ze mapatahosy anao? ho avy lasibasy ho anereo hanao. 8Akory hanao nandroba vahoaky maro, gny vahoaky sisa aby dra handroba anao. Fa nandasa-dio olombelo hanao dra nanao herisetra taminigny tany, vo reo tana, dra reo ze monin'ao amireo aby.9"loza ho anize fatra-pitalia vara aminigny fanovan-drasy ho tombony ho anigny akohonany, ba hahafahany magnory gny akaniny aminigny agnabo ba herovany gny zakany egny apelatagnanigny rasy." 10Nizara fahamegnara ho anireo havanao hanao taminigny nandringanako olo maro, dra nanota taminigny vatanao. 11Fa hihiaky boak;eo aminigny manda reo vata, dra reo vata-kazo gny hamaly anereo,12"Loza ho anize mananga tana aminigny lio, dra ze magnory tana-lahibe aminigny heloky." 13Sy avy amin'i Yaveh Toponigny maro ra gny hiasan'ireo vahoaky aminigny afo vo gny hisasaran'ireo firenena aminigny zava-poa? 14Kanefa gny tany dra ho feno fahalala gny vininahis'i Yaveh manahaky gny rano mandrakoky gny ranomasy.15"Loza ho anize mapino gny piaramony aminazy, hanao ze magnisy gny poizinao mandra-pahamamonao anereo ba ahafahanao magnety gny fifaharan'ereo." 16ho feno fahamegnara hanao fa sy voninahisy. Hinon'amizay avo koa, dra hapiseho gny fifaharanao. Hihery hitoliky aminao gny kapoak'Yaveh eo atagnany akavana, dra hanaro gny voninahitrao gny fahafaham-baraka.17Gny herisetra natao an'i Libanona hanafosy anao dra hapihorohoro anao gny faharavan'ireo biby. Fa nandasa-dio olo hanao dra nanao herisetra taminigny tany, reo tana, vo ze monina ao amireo aby.18Ino gny tombosoa aminigny sary sokosy? fa ze nisokosy anizay, na ze manao sari raha an'ilina aminigny vy, dra papianasy vandy; fa matoky gny asa-tagnany avo izy aby mamboasy reo zagnahary moa reo. 19"Loza ho anize mizaka aminigny hazo ho:Misangana!" na aminigny vato mangina ho: "Misangana" moa mapianasy ra reo raha reo? ingo, voapetaky volamena vo volafosy zay, kanefa sy misy fofon'ay sasy amizay. 20Fa Yaveh dra ao atepoliny masy! Mangina eo agnatrehany, ry tany aby."
Chapter 3

1Gny vavak'i Habakoka paminany: 2Ry Yaveh, fa reko gny tatisao, dra raiki-tahosy zaho. Ry Yaveh, velomy eo agnevon'ireo fotoa reo gny asanao; hapahafataro eo agnevon'ireo fotoa reo zay; talilio gny hana famindra-po aminigny fahasiahanao.3Avy boak'agny Temana zagnahary, dra gny Masy boak'agny atendrobohis'i Parana. Sela. Manaro gny lagnisy gny voninahisy, dra gny tany feno gny fiderany.4Reo tarasy roanigny tagnany dra mamirapirasy manahaky gny elasy, ze nivonianigny heriny. 5Arety mahafaty gny nandeha teo anoloany, dra areti-mandringa gny nagnaraky gny tombony.6Nisanga Izy dra nandrefy gny tany; nagnety Izy dra nagnozongozo reo firenena. Na dre reo tendrombohisy maharisy mandrakizay aza torotoro, dra nietry gny havoa sy mana-pahatapera. Sy mana-pahatapera gny lalany.7Nahita reo lain'i Kosana azo-pahoria zaho, dra gny famboara gny lamban'ireo lay tagny aminigny taniny Mizoso nihavitrovitra. 8Ory tamireo Ony ra Yaveh? Moa gny fahorianao ra tamireo ony, na gny fahorianao tamireo ranomasy, gny fa nitikisy reo sovalanao hanao vo reo kalesam-pandresena?9Ninday gny sipikinao sy nidray tamigny fitoerany hanao; nametraky zana-sipiky tamigny sipikinao hanao! Sela. Nizara gny tany tam'ireo ony hanao. 10Nahita anao ireo tedrombohisy dra nanaitay. Oram-be mivatravatra gny nandalo teo amin'izy ireo; nanadraasy hiakasy gny ranomasina laliky. Napiakasy ireo azany izay.11Gny masoadro vo gny volana nitoby teo ambony teo amin'ireo fitobohany avo tamigny hazavan'ny zana-sipikao dra nandososy izy ireo, tamigny famirapiratan'ny tara-pahazavan'ny lefonao. 12Nandeha namakivaky gny tany tami-pahatezerana hanao. Tamigny fahavinirana gny nanosihosenao ireo forenena.13Niboaky ho amigny famozena gny vahoakinao hanao, ho amigny famozena ilay voahosisao. Manorotoro gny lohan'ny ankohonan'ny rasy fagnahy ba hapiharihary gny fototry gny hatony. Sela14Nitrobaranao tamin'izy zana-sipikiny avo koa gny lohan'ireo pialiny raha avy toy gny tafiosy hagnely anay izy ireo, gny fifalian'izy ireo dra toy gny an'izay mandevona gny mahatra agny amigny toerana mivony. 15Fa nandeha namakivaky gny ranomasina tamigny soavalinao hanao, dra napisavovona ireo rano be.16Nahare zaho, dra nihorohoro gny tao agnatiko! nipararetra tamigny feo gny moloso. Avy tamigny tolako gny fahalovana, dra nangovosy gny tegnako raha nandigny ami-pahanginana gny andro-pahoriana hiavian'ireo olo izay handroba anay.17Dra sy mamosy aza gny hazon'aviavy dra sy misy vokasy gny taho-voaloboky; dra mandiso fanantenana aza gny hazo Oliva dra sy mamokasy hany ireo Seha; dra haringana aza gny agnondry ao am-bala dra sy misy biby fiopy ao am-pihinanana, dra izao gny hataoko.18Bo hiravoravo ao amin'i Yaveh zaho. Hifaly zaho noho gny famozen'Amdriamanitra anahy. 19Gny topo Yaveh gny heriko dra manao gny tomboko manahaky gny an'ny diera izy. Mapadroso anahy agny amin'ireo fitobohako avo izy.__Ho an'ny lahiben'ny pihira, amigny fitovan-dokangako.

Zephaniah

Chapter 1

1Zao gny zakan'i Yaveh ze avy tamin'i Zefania zanadahin'i Kosy zanadahin'i Gedalia zanadahin'i Amaria zanadahin'i Hezekia, taminigny andron'i Josia zanadahin'i Amona, pazakanigny Joda. 2"Hamotiky gny raha aby sy ho eo agnabonigny velaratany vatany Zaho_ zay gny fagnambaran'i Yaveh. 3Handringa gny olo vo gny biby Zaho; handringa gny voronigny lagnisy vo gny fia-dranomasy Zaho, ho eo amireo rasy fagnahy gny faharava. Fa haringako sy ho eo agnabonigny tany gny olo_zay gny fagnambaran'i Yaveh.4Hagnizisy gny tagnako eo amin'i Joda vo amireo pononigny Jerosalema aby Zaho. Haringako so ho amity tany ty reo sisan'i Bala vo reo agnaran'olo panopo sapy eo amireo pisoro, 5reo olo ze manopo reo tena egny aminigny lagnisy eo atapo-tragno, dra reo olo manopo vo miania amin'i Yaveh kanefa sady miania aminigny pazakan'ereo. 6Handringa reo ze fa nivily taminigny fagnaraha an'i Yaveh avo koa Zaho, reo ze sy nikasaky an'i Yaveh na nagnotany gny tari-dalany."7Ka mizaka eo agnatrehan'i Yaveh topo! Fa mariny gny andron'i Yaveh; fa nagnoma fagnatisy vo fa nanoka reo vahininy Izy. 8"Zay dra hitranga aminigny andronigny soron'i Yaveh, hagnasazy reo andrian-dahiny vo reo zana pazaka, dra reo mekazo akazo vahiny Zaho. 9Amizay andro zay dra hagnasazy reo ze mandinga gny tokona Zaho, dra reo ze mameno gny tragnonigny topony aminigny herisetra vo fitaky.10Ko amizay andro zay__zao gny fagnambaran'i Yaveh__fa hisy feo mitaray boak'eo am-Bavahadin-Kazandrano, findradradradra boak'eo aminigny tana Ambany, dra fidaboha lahibr boak'amireo havoa. 11Midradradradra, ry poninigny Maktesy, fa ho ringa reo pandrato aby, ho lany ringa reo ze nivesasy volafosy.12Dra amizay andro zay dra hitalian'an'i Jerosalema aminigny fanilo Zaho dra hagnasazy reo olo babonigny divainy vo manao anaka-po ho: "Sy hanao na ino na ino i Yaveh, na soa na rasy." 13Ho lasa babo gny harenan'ereo, dra ho lao gny tragnon'ereo! Hagnory tragno ereo kanefa sy hitoetra ao amireo, dra hamboly voaloboky kanefa sy hino gny divain'ireo.14Fa atomesy gny andro lahiben'i Yaveh, atomosy sady mihamalaky tokoa! Gny feonigny andron'i Yaveh dra hanahaky gny pialy mitaray fatrasy! 15Zay andro zay dra ho andronigny fahatezera, andronigny fahoria vo fahalevogna, andronigny tafio-drivosy vo fagnafoagna, andronigny fahamezigna vo fazombogna, andronigny raho vo hezi-pito. 16Zay dra ho andronigny tropetra vo fanaira hanohisy reo tana mimanda vo reo tilikambo abo.17Fa hinday fahoria eo aminigny olombelo Zaho, dra hirenireny manahaky olo poaky ereo akory fa nanota atmin'i Yaveh. Hararaky manahaky gny botany gny lion'ereo, dra gny ao agnatin'ereo dra hanahaky gny zeziky. 18Dre gny volafosin'ereo na gny volamenany dra sy afaky hamozy anereo aminigny andro-pahorian'i Yaveh. Ho leviny gny afonigny fahasarotapiarony gny tany aby, fa hinday fahafongana feno, mahasiravy aminigny poninigny tany aby Izy."
Chapter 2

1Avorio gny tanandrareo dra mitambara, ry firenena sy mana-kegnasy__2dieny bo sy mihasy gny didy dra dieny bo sy miely manahaky gny lila gny andro, dieny bo sy avy amindrareo gny firehetanigny fahoria Yaveh, dieny bo sy avy amindrareo gny andronigny fahatezeran'i Yaveh. 3Mikesaha an'i Yaveh, ry vahoaky mendriky aby amboninigny tany ze makato reo didiny! Kasaho gny fahamarigna. Kasaho gny fagnetre-tena, dra mety ho voaaro handrareo aminigny andronigny fahorian'i Yaveh.4Fa i Gaza dra ho lao, dra Askelona ho rava. Handroaky an'i Asdoda aminigny mitataovovogna ereo, dra hamongosy an'i Ekrona! 5Loza ho an'ireo ponina agny amoro-siraky, dra gny firenen'ireo Keretita! Fa nizaka nanohisy andrareo i Yaveh, ry Kanana, tanin'ireo Filistina. Handringan'andrareo ambara-pahafoa gny ponina Zaho.6Dra ho lasa ahisy ho an'ireo piarak'agnondry vo ho anigny valan'agnondry gny moro-siraky. 7Reo farisy amoro-siraky dra ho an'ireo sisanigny akohonan'i Joda, ze hiambin'agnondry aman'osiny ao. Ao aminigny akohonan'i Askelona gny handrian'ireo vahoakin'ereo aminigny hariva, fa Yaveh Zagnaharin'ereo gny hikarakara anereo vo hagnery gny fanagnany.8"Fa reko gny zaka rasin'i Moaba vo gny lasan'ireo vahoakin'i Amona raha nizaka rasy reo vahoakiko vo nagnisakisaky gny faritaniny ereo. 9noho zay, raha velo koa Zaho__zao gny fagnambaran'i Yaveh toponigny maro, Zagnaharin'Israely,__hanahaky an'i Sodoma i Moaba, dra reo vahoakin'i Amona hnahaky an'i Gomora; dra ho toeranigny alan'amiana vo lava-sira, tany lao mandrakizay. Fa gny sisa amireo vahoako koa hambabo anereo, dra reo sisa aminigny fireneko hahalasa anereo ho fanagna."10Zay gny hihasy amin'i Moaba vo Amona nohonigny fireharehany, akory nizaka rasy vo nagnaraby gny vahoakin'i Yaveh toponigny maro ereo. 11Dra hatahosy an'i Yaveh ereo, akory hizaka rasy gny zagnahariny gny tany aby. hanopo anazy gny olon'aby, gny olon'aby boak'aminigny toerany, boak'aminigny moro-siraky aby.12Handrareo avo koa ry Kosita dra ho voalefonigny mesa, 13dra gny tagnan'i Yaveh gny hanafiky gny avarasy dra hamotiky an'i Asyria, dra ho lasa tany karakaina manahaky gny tany efisy i Ninive. 14Dra handry ao gny agnomby, gny bibn'ireo firenena, gny vorondolonigny efisy vo gny sokina dra handry eo aminigny tendronigny andriny. Hisy aso hihira boak'eo ambatrangara kely; ho eo atokona ny faharava; ho sarona reo andry sedera voasokiny.15Zay gny tana niravoravo ze niay sy nisy tahosy, ze nanao anakam-po taminazy ho; "Zaho gny izy, dra sy misy manahak'anahy." Indrisy fa avy mapasiaky izy, toera natao ba handrianigny biby. Ze mariosy eo aminazy dra hisiririsy dra hamoko gny totohondryny aminazy aby.
Chapter 3

1Loza ho anigny tana pikomy! Voaloto gny tana mahery setra. 2Sy niteno gny feon'Agnahary izy, na nagneky famaiza boak'amin'i Yaveh. Sy natoky an'i Yaveh dra sy nagnato an'Agnahary Izy.3Liona mieron'eo agnevony ireo andrian-dahiny. Ireo pisara dra amboa mola aminigny hariva ze sy megnenga na ino na ino ba ho hany gny maray. 4Lelahy mahery vo pamitaky reo paminany. Fa nanimbazimba ze masy vo nanao herisetra taminigny lalana ireo pisorony.5Yaveh dra mary eo agnevony. Sy afaky manao gny sy mety izy. Isa-maray gny hizarany gny fisarany!Sy hotakon'ao agnatinigny hazava zay, fa gny olo sy mary dra sy mahay megnasy.6"Fa namotiky firenena Zaho; rava reo ferova mafin'ereo. Niravako reo lalany, ba sy hisy na iza na iza handalo eo amin'ereo. Fonga reo tanany dra sy misy olo monin'ao amin'ereo. 7Nizaka zaho ho: "Hatahosy Anahy vatany hanao." Hekeo gny famaiza dra sy hiala aminigny tagnonao araky ze fa nomaniko hatao aminao hanao." Saingy tamim-pahazotoa gny nanombohan'ereo isa-maray aminigny fanova gny asa rasin'ereo aby.8Noho zay mandignisa Anahy__zay gny fagnambaran'i Yaveh__mandra-pahavianigny andro ze hisanganako ho anigny niharam-boy. Fa gny fanapaha-keviso dra gny hamory reo firenena, hamory reo fazaka, dra handrarahako gny fahoriako amin'ereo, reo fahasiahako fatrasy aby, ba ho levogny afony fahoriako reo tany aby.9Fa hagnome molosy malio ho anigny vahoaky Zaho boak'eo, ba hitokavan'anazy aby aminigny agnaran'i Yaveh ba hanopo Anahy mindray. 10Boak'agny andafin'ireo onin'i Etiopia reo pidera Anahy__gny oloko ze voaely__gny hinday reo fagnatisy hoNahy. 11Amizay andro zay dra sy ho megnasy aminigny asa rasindrareo aby ze nataondrareo taminahy handrareo, akory amizay fotoa zay dra hofongoriko eo amindrareo reo ze makalaza gny fieboebondrareo, dra akory sy hanao fihesiky an'avona agny aminigny tendrombohisy masy sasy handrareo.12Fa hagnenga gny olo manetri tena vo gny mahatra Zaho, dra hialoky ao aminigny agnaran'i Yaveh handrareo. 13Sy hanao gny sy rariny na hizaka vandy sasy reo sisa tavela ao Israely, dra sy ahita lela pamitaky ao ambavan'ereo; dra hihina vo handry ereo, dra sy hisy na iza na iza hapatahosy anereo."14Mihira, ry zanakapelan'i Ziona! Mihiaka ry Israely. Miravoravoa dra mifalia aminigny fonao aby, ry zanakapelan'i Jerosalema. 15Nangala reo famaizanao Yaveh; nandroaky reo fahavalonao Izy! Yaveh gny pazakan'Israely eo aminao. Sy hatahosy gny rasy sasy hanao! 16Amizay andro zay dra hizaka amin'i Jerosalema ereo ho: "Ka matahosy, ry Ziona. Ka mamela gny tagnanao hangozohozo.17Ao aminao i Yaveh Zagnahariko, dra gny mahery pamozy anao. Hakalazan'eo aminao Izy dra apifalia gny hanginany eo aminao ao aminigny fitiavany.Hiravoravo eo aminao Izy dra hanao hiaka-pifalia, 18manahaky gny tamireo andro firavoravoa fa voatondro. Hangala gny loza eo aminao Zaho; sy hinday hegnasy amizay sasy hanao.19Ingo, Hifanandry aminigny papahory aby aby zaho.Amizay fotoa zay, hamozy reo mandringadra dra hamoery reo niroahy Zaho. Hataoko manahaky gny fidera ereo, dra hagnova gny hegnas'ereo ho laza maneratany aby Zaho. 20Amizay fotoa zay dra hitariky andrareo Zaho; mindray havoriko handrareo. Hataoko magnaza vo midera andrareo reo firenena aby manera-tany, gny fa hitandrareo fa nagnerin'anao aminigny loniny Zaho," hoy Yaveh.

Haggai

Chapter 1

1Taminigny tao faharo nazakan'i Dariosa pazaka, taminigny faheninigny vola, taminigny andro voalohanigny vola, dra avy taminigny alalanigny tanan'i Hagay paminany teo amin'i Zerobabela governoran'i Joda, zanadahin'i Sealtiela, dra teo amin'i Josoa pisombe zanadahin'i Jozadaka gny zakan'i Yaveh, nanao anizahoky ho: 2"Yaveh toponigny maro mizaka anizao: Zao gny nizakan'ireo vahoaky reo: 'Sy fotoa ahaviasika na hagnoregnasika tragno ho an'i Yaveh zao.'"3Boak'eo dra avy taminigny alalanigny tanan'i Hagay paminany gny zakan'i Yaveh, nanao anizahoky ho: 4"Fotoa honegnandrareo ao aminigny tragno vitandrareo ra zao, raha toaka bo rava zay tragno zay? 5Ko amizao Yaveh Toponigny maro mizaka anizao: Diniho reo fombandrareo! 6Namafy voa marobe handrareo, fa niziza vikasy keliky; nihina handrareo nefa sy afa-po; nisitro handrareo fa sy mamo. Nignisy akazo handrareo fa sy afaky nagnafana gny vatandrareo, dra gny pikarama dra handray vola hatao ao agnaty kitapo feno laoky fosiny avo!7Zao gny zakan'i Yaveh taponigny maro: "Diniho reo fombandrareo! 8Mekara agny an-tendrombohisy, mindesa hazo, dra ahoregno gny tragnoko; dra hifaly ao amizay zaho, dra hamem-boninahisy Zaho!__Hoy i Yaveh."9"Mitalia gny maro handrareo, kanefa ingo! tragno kely gny nandesindrareo, akory nisofiko zay!Nagnino?" nizaka i Yaveh taponigny maro. "Akory gny tragnoko dra rava, raha toa ka miasa ho anigny tragnony aby gny sirairay amindrareo.10Noho zay gny lalisy dra hihazo gny andro sy hoandrareo, dra gny tany hihazo reo vokany. 11Nitoka hai-tany teo aminigny tany vo teo amireo tendrombohisy, teo aminigny vary vo teo aminigny divay vaovao, teo aminigny dililo vo teo aminigny vokasy gny tany, teo aminigny olo vo teo amireo biby, dra teo amireo asanigny tagnandrareo aby Zaho!"12Dra Zerobabela zanadahin'i Sealtiela, vo i Josoa pisorom-be zanadahin'i Jozadaka, mindray amireo olo sisa tavela, dra nakato gny feon'i Yaveh Zagnaharin'ereo vo reo zakan'i Hagay paminany, akory Yaveh Zagnaharin'ereo gny nandefa anereo dra reo vahoaky dra natahosy gny tarehin'i Yaveh. 13Dra i Hagay, gny pinday gny hafas'i Yaveh, dra nizaka gny hafas'i Yaveh taminigny vahoaky nanao anizahoky ho: "Mindray amindrareo Zaho!__Zay gny fagnambaran'i Yaveh!"14Ko nagnesiky gny fagnahin'i Zerobabela zanadahin'i Sealtiala, governoran'i Joda, vo gny fagnahin'i Josoa pisorombe zanadahin'i Jozadaka, dra gny fagnahin'ireo vahoaky sisa tavela aby i Yaveh, ba handeha ereo dra hiasa aminigny tragno'i Yaveh Toponigny maro, Zagnaharin'ereo 15taminigny andro fahaefasy ambiropolonigny nazakan'i Doriosa pazaka.
Chapter 2

1Tamigny vola fahafito tamigny andro faharaiky amby ropolon'ny volana, dra avy tamigny alalan'i Hagay paminany gny zakan'i Yavehh, nanao ho: 2''Mizaka amin'ny Governoran'i Joda, dra i Zerobabela zanak'i Sealtiela, vo amigny pisoro be dra i Josoa zanak'i Jehozadaka, dra amigny sisan'ny vahoaky. Zakao ho:3''Iza gny tavela amidrareo izay nahita ity tragno ity tamigny voninahiny taloha? Manaoakory gny fahitadrareo izay ankehitriny? Moa se sy manahaky gny sinosino eo amasodrareo izay? 4Akehitriny, matazaha, dra Zerobabela!__izay gny fizakan'i Yaveh__dra matazaha, dra pisoro be dra iJosoa zanak'i Jehozadaka; dra matazaha, hadrareo vahoaky rehetra amigny tany!__izay gny fizakan'i Yaveh__dra miasa , fa momba adrareo zaho!__izay gny fizakan'i Yaveh topon'ny maro. 5Izay gny fagneke izay naoriko tamidrareo raha niboaky tagny Egypta hadrareo, dra mitoboha ao amidrareo gny fagnahiko. Ka matahosy!6Fa izao gny zakan'i Yaveh topon'i maro : Aoagnatin'ny fotoa fohy dra hagnozongozogno gny lagnisy vo gny tany, gny ranomasina vo gny tany maiky draiky zaho! 7Hahozongozoko gny firenena aby, dra minday ireo zava-sarobidy eto aminahy gny firenen-drehetra, dra hofenoko vaninahisy ity tragno ity, hoy Yaveh topon'ny maro.8Anahy gny volafosy vo gny volamena!__zay gny fagnambaran'i Yaveh taponigny maro. 9Gny voninahisy ty tagno tihoky dra ho lahibe aminigny hoavy naho gny tany am-boalohany, hoy Yaveh taponigny maro, dra eto amity toera tihoky gny hagnomezako fedagna!__zay gny fagnambaran'iYaveh taponigny maro."10Taminigny andro fahaefasy ambiropolonigny vola fahasivy, taminigny tao faharo nazakan'i Dariosa, dra avy tamin'i Hagay paminany gny zakan'i Yaveh, nanao anizahoky ho: 11"Zao gny zakan'i Yavehtoponigny maro: Magnotania reo pisoro mahakasiky gny lalana, dra zakao ho: 12'Raha misy olo minday hena ze voatoka ho an'i Yaveh ao aminigny valonan'akazony, dra mikasiky mifo na hany, divay na dililo gny valonany, na ze karaza-kany, dra sy lasa masin ara zay?'" Namaly reo pisoro dra nanao anizahoky ho: "Aha".13Dra hoy Hagay: "Raha misy olo ze maloto aminigny faty mikasiky reo raha reo, sy avy maloto ra reo?" Namaly reo pisoro dra nanao anizahoky ho." 14Dra namaly Hagay dra nanao anizahoky ho: "Dra manahaky anizay koa ty vahoaky ty vo ty firenena ty eo agnatrehako!__ zay gny fagnambaran'i Yaveh__dra manahaky anizay koa gny raha aby vitanigny tarehin'ereo: ze atolos'ereo honahy dra maloto.15Ko amizao, hevero ao asainao gny lasa dra hatramizao andro zao mihisy. Nelohanigny nanoboia gny vato ambinigny vato tao atepolin'i Yaveh,
17Namely andrareo vo gny asanigny tagnandrareo aby taminigny vary vo gny maty fosiny Zaho, nefa bo sy nihery taminahy avo handrareo__zay gny fagnambaran'i Yaveh.18Hevero manomboky izao andro izao, hatramigny andro fahaefasy amby ropolon'ny volana fahasivy, hatramigny andro izay nametrahany gny fotosy gny tepolin'i Yaveh. Hevero izay! 19Bo misy voa se ao amigny tragno fitehiriza? Sy namokasy gny divay, gny hazon'aviavy, gny apongaben-dagnisy, dra gny hazan'oliva! fa manomboky akehitriny dra hitahy adrareo zaho!''20Dra avy fagnindrony tamin'i Hagay taminigny andro fahaefasy ambiropolonigny vola gny zakan'i Yaveh dra nanao anizahoky ho:" 21Mizaka aminigny governoran'i Joda, dra i Zerobabela, dra zakao ho: "Hagnozongozo gny lagnisy vo gny tany Zaho. 22Akory horavako gny seza fiandrianan'ireo fazaka dra hopotehiko gny herin'ireo fazakanigny firenena! Haravako reo Kalesy vo reo pitikisy anazy; ho lova reo sovala vo gny pitikisy anazy, gny sirairay lavo nahonigny mesa gny rahalahiny.23Amizay andro zay__zay gny fagnambaran'i Yaveh taponigny maro__dra halako handrareo, ry Zerobabela zanak'i Sealtiela, ho panopoko__zay gny fagnamabaran'i Yaveh. Hataoko manahaky gny perasy fanomboha-kase hanao, fa nifily anao zaho!__zay gny fagnambaran'i Yaveh taponigny maro!"'

Zechariah

Chapter 1

1Taminigny volana fahavalo taminigny taona faharo nazakan'i Dariosa, dra avy tamin'i Zakaria zanadahin'i Berekia zanadahin'Indo, mpaminany, gny zakan'i Yaveh, manao ho:2''Hory fatrasy tamin'ereo razambenao i Yaveh! 3Zakao izy reo ho:' Zao gny zakan'i Yaveh tpmpony gny maro: Mitolia aminahy!- zay gny fagnambaran'i Yaveh tompony gny maro - dra hitoliky amindrareo zaho, ho Yaveh tompony gny maro.4Ao iandrareo sy ho tahaky gny razambendrareo ze nitokan'ereo paminany teo aloha, manao ho:''Zao gny zakan'i Yaveh tomponigny maro: Miala amy lalan-drasindrareo vo gny fampiharan-drasindrareo!'' Fa sy nahare izy reo dra sy niraharaha anzhy- zay gny fagnambaran'i Yaveh.'5Reo razambenandrareo, eza reo paminany, eto mandrakizay seky izy reo? 6Fa reo zakako vo reo lalako zay nandidiko an'ereo paminany mpanompoko, sy fa nahatrasy reo razambendrareo seky reo? Koa nibebaky izy reo dra nanao ho:' Araky ze fa nalahat'i Yaveh tomponigny maro hatao aminay ze mendriky reo lalanay vo reo asanay, gny nataony taminay.''''7Taminigny andro fahefasy amby ropolo taminigny fahiraiky aminigny fologny volana, ze volagny Sebata, taminigny taona faharo nazakan'i Dariosa, dra avy tamin'i Zakaria, zanadahin'i Berekia zanadahin'Ido, gny paminany, gny zakan'i Yaveh, manao ho:8''Nahita taminigny hariva zaho, dra, indro! nisy lelahy raiky nitikisy sovala mena, dra teo amy hazo rotra ze teo amy lohasaha izy; dra teo afarany dra nisy sovala mena, volotany manopy mena,dra sovaly fosy.''9Ho zaho ho:''Ino tahoky raha tahoky, ry Tompo?'' Avy eo dra nisy azely raiky niresaky taminahy nanao taminahy ho:'' Ho asehoko anao ho ino reo raha reo.''10Dra gny lelahy ze nisanga teo amy hazo rotra namaly dra nizaka ho:''Reo gny nalefan'i Yaveh ba hirenireny manera gny Tany.''11Namaly gny azelin'i Yaveh ze nisanga teo amy hazo rotra izy reo; ho izy reo taminazy ho: ''Fa nirenireny nanera gny tany izahay; indro, gny tany aby dra mbo mipetraky vo mizano.''12Dra namaly gny azelin'i Yaveh dra nizaka ho:''Ry Yaveh tomponigny maro, mandram-pahombia gny hanehianao sy fangoraham-po amin'i Jerosalema vo amin'ereo tanan'i Joda zay fa niharisy fahoria zay fitopolo taona zay?'' 13Namaly gny azely zay niresaky taminahy, taminigny zaka soa, tegny fampahereza i Yaveh.14Dra nizaka taminahy gny azeky zay niresaky taminahy ho:''Mitoka fatrasy dra mizaka ho:'Zao gny zakan'i Yaveh tomponigny maro:Saro-piaro tamim-pitiava lahibe tamin'i Jerosalema vo tamin'i Ziona zaho! Hory fatrasy amin'ereo firenena zay ao agnatinigny fitonia reo.15Raha ba hory tamin'ereo zaho, dra vao meky nampaharasy gny fahoria izy reo.16Noho zay dra zao gny zakan'i Yaveh tomponigny maro: Fa nihery tamin'i Jerosalema taminm-pamindram-po Zaho. Ho voaory ao agnatiny gny tragnoko- zay gny fagnambaran'i Yaveh tompony maro-dra gny famolany dra ho hezaniny anin'i Jerosalema!' 17Mitoka fatrasy draiky, manao ho;'Zao gny zakan'i Yaveh tomponigny maro: Hotondraky soa draiky reo tananko, dra hampahery an'i Ziona draiky Yaveh, dra hifily an'i Jerosalema draiky Izy.''18Dra nanandrasy gny zasoko zaho dra nahita tandroky efasy! 19Niresaky taminigny azely ze niresaky taminahy zaho ho:''Ino reo?''Namaly anahy izy ho:''Reo gny tandroky ze fa nagnaparitaky an'i joda, Israely, dra Jerosalema.''20Avy eo dra nampiseho panao asa tana efasy taminahy i Yaveh. 21Ho zaho ho:''Ino gny aton-dian'ereo olo reo?''Namaly Izy , dra nizaka ho:''reo gny tandroky ze nanaparitaraky an'i Joda ba sy hisy olo afaky hanandrasy gny lohany. Fa reo olo reo dra avy ba handroaky anazy reo, ba handrava reo tandrok'ereo firenana ze nanandrasy tandroky manohisy gny tanin'i Joda ba hanaparitaky anazy.''
Chapter 2

1Magnaraky anizaho dra nanandrasy gny masony zaho vo nahita lelahy niaraky tamigny taly fandrefesa tany an-tanety. 2Hoy Zaho ho: "Handeha ho eza hanao?" Dra hoy izy taminahy ho: "Handrefy an'i Jerosalema, hamarisy gny sakany vo gny halavany."3Dra nadeha gny azely ze nizaka taminahy dra nisy azely raiky hafa niboaky ba hisena anazy. 4Hoy gny azely faharo taminazy ho: "Mihazakazaha vo mizaka aminigny tovolahy igny; zakao ho: 'Hitoby eo aminigny tana misokaky i Jerosalema nohonigny hamaroanigny olo vo reo biby ao aminazy. 5Fa Zaho__zay gny fagnambaran'i Yaveh__dra ho avy manda afo magnodidin'anazy, dra ho voninahisy eo agnevony zaho.6Malaky! Malaky! Menga boak'agny aminigny tany avarasy__zay gny fagnambaran'i Yaveh__fa Zaho fa napiely andrareo manahaky gny rivosy efasy gny lagnisy! __Zay gny fagnambaran'i Yaveh. 7Eh! Menga magnagny Ziona, handrareo ze mitoby mindray aminigny zanakapelan'i Babylona!"'8Fa tafaranigny nagnomezan'i Yaveh taponigny maro voninahisy anahy vo nandefasany anahy hanohisy reo firenena ze nandroba andrareo__fa na iza na iza mikasiky andrareo, dra mikasiky gny ana-kandriamason'Agnahary! __gny fa avy nanao anizay i Yaveh, dra hoy Izy ho: 9"Zaho mihisy gny hignizisy gny tagnako amin'ereo, dra ho babo ho an'ireo andevony ereo." Dra ho fatandrareo fa i Yaveh taponigny maro gny nagniraky anahy.10"Mihira ho aminigny fifalia, ry zanakapelan'i Ziona, fa Zaho mihisy gny ho avy vo hitoby eo aminindrareo!__zay gny fagnambaran'i Yaveh." 11Boak'eo reo firenen-dehibe hindray amin'i Yaveh amizay andro zay. Hoy izy ho: "Dra ho avy vahoako handrareo; fa hitoby eo agnevondrareo zaho," dra ho fatandrareo fa Yaveh toponogny maro gny nigniraky anahy ho eo amindrareo.12Fa Yaveh hapandova an'i Joda manahaky gny fanagnany ara-drariny agny aminigny tany masy dra hifily ndraiky an'i Jerosalema ho anazy. 13Ka mizaka, eo agnatrehan'i Yaveh, ry nofo aby, fa nisanga boak'ao aminigny toerany masy Izy!
Chapter 3

1Boak'eo Yaveh napiseho anahy an'i Josoa gny pisorombe ze nizora nagnoloa gny azelin'i Yaveh vo gny Satana nizoro teo atagnakavanany ba hepanga anazy ho nanota. 2Hoy gny azelin'i Yaveh taminigny Satana ho: "Hizaka fatrasy aminao anie Yaveh, ry Satana, Yaveh, nisafidy an'i Jerosalema anie, hizaka fatrasy anao! Moa sy foroha nisariha taminigny afo ra ty?" 3Nekazo fitafia maloto Josoa raha nizoro teo agnoloanigny azely.4Nizaka gny Azely vo nizaka tamireo ze nizoro teo agnoloany ho: "Alao aminazy reo fitafia maloto." Dra hoy izy tamin'i Josoa ho: "Ingo! Fa nalako taminao gny helokao dra hapekazoako akazo soa hanao." 5Hoy izy ho: "Aoky ereo hanoby hamama malio eo andohany!" Dra nanoby hamama malio teo agnabo lohany lohan'i Josoa ereo dra napekazo anazy taminigny akazo malio raha nizoro teo agnilany teo gny azelin'i Yaveh.6Boak'eo gny azelin'i Yaveh nibaiko apahamatora an'i Josoa dra nizaka ho: 7"Zao gny zakan'i Yaveh taponigny maro: Raha handeha aminigny lalako hanao, dra raha hitandry reo didiko hanao, dra hifehy gny tragnoko hanao dra hiamby gny koazako, akory hangako handeha vo hizoso eo amireo ze mizoro manolon' anahy reo hanao8Tenoy, ry Josoa pisorambe, hanao vo reo namanao ze mony mindray aminao! Fa famataranan'ireo olo reo, akory Zaho mihisy gny hapiakasy gny panopoko gny Rasa. 9Dra atio gny vato ze natobikoeo agnoloan'i Josoa. Misy maso fito ao amin'io vato tokan'io, dra hanao sokisy sorasy Zaho__zay gny fagnambaran'i Yaveh toponigny maro__dra hangala gny fahota amity tany tihoky ao agnatinigny andro raiky zaho.10Amizay andro zay__zay gny fagnambaran'i Yaveh toponigny maro__gny olo sirairay dra hanasa gny piara-belon'aminazy ba hitoby ambaninigny voaloboky vo ambaninigny hazon'aviaviny."
Chapter 4

1Boak'eo nitoliky dra nanaisy anahy manahaky gny olo taisy aminigny torimaso gny ajely ze nizaka taminahy. 2Hoy izy taminahy ho: "Ino gny hitanao?" Dra hoy zaho ho: "Mahita fanova-ziro vita aminigny volamena tateraky zaho, mindray aminigny pisy dililo eo atapony. Misy lela fanova ziro fito eo amizay dra misy fasiky fito eo amizay dra misy fasiky fito eo ataponigny loha-ziro sirairay. 3Misy hazon'oliva ro eo agnilan'izay, dra eo aminigny ilany aminigny tagnakavananigny ilany akavia."4Noho zay dra nizaka taminigny azely ze nizaka taminahy ndraiky zaho. Hoy zaho ho: "Ino gny dikan'ireo raha reo, ry topoko?" 5Namaly anahy gny azely ze nizakako vo nanao aminahy ho: "Sy fatasao ra gny dikan'ireo raha reo?" Dra hoy zaho ho: "Aha, sy haiko ry topoko."6Noho zay dra hoy izy taminahy ho: "Zao gny zakan'i Yaveh tamin'i Zerobabela: Sy ami-kery na aminigny tazaky, fa aminigny Fagnahiko, hoy Yaveh toponigny maro. 7Ino moa hanao io, ry tendrombohisy lahibe? Ho lasa tany lemaky eo anolon'i Zerobabela hanao, dra hinday gny vato atao tendrony izy ba hihiaky ho: "Fahasoava! Fahasoava ho amizay!"'8Avy taminahy gny zakan'i Yaveh, nanao anizahoky ho: 9"Nanoby gny fotos'ity tragno tihoky gny tanan'i Zerobabela dra hamita anizay gny tagnany. Dra ho fatandrareo fa Yaveh toponigny maro gny nignirany anahy ho aminao. 10Iza gny nanao sinosino gny andron'ireo raha madiniky? Hiravo reo olo reo hahita gny vato pilao egny atagna'i Zerobabela. (Reo laha-ziro fito reo gny mason'i Yaveh ze magnety an'izao totlo izao.) 11Boak'eo dra nagnotany anigny azely zaho ho: "Ino reo hazon'oliva ro ze misangan'eo akavia vo akavananigny fanova ziro reo?"12Nagnotany anazy ndraiky zaho ho: "Ino reo sapa-kazon'oliva ro agnilan'ireo fasiky volamena ro ze misy dililo volamena miraraky boak'eo aminazy reo?" 13Boak'eo dra hoy izy taminahy ho: "Sy fatanao ra ho ino reo?" Hoy zaho ho: Aha, ry topoko."14Noho zay dra hoy izy ho: "Reo gny zana-dililo vaovao ze misanga manoloa gny topon'izao totolo aby zao."
Chapter 5

1Dra nitoliky zaho dra napiandrandra gny masoko, dra nahita, indro, horogna-taratasy mizoso! 2Hoy gny azely taminahy ho: "Ino gny hitanao?" Dra namaly zaho ho: "Horogna-taratasy mitily gny hitako, ropolo hakio gny halavany dra folo hakiho gny halavany dra folo hakiho gny sakany."3Dra hoy izy taminahy ho: "Tihoky gny ozo ze miboaky maneran'anizao totolo izao, fa gny pangalasy aby dra ho fongory manomboky amizao ze mifehy amizay zakany aminigny andanini, dra ze mizaka fiegnan-diso aby dra ho fongory ze mifehy amizay zakany aminigny akilany, araky gny zakan'ereo. 4"Haboaky zay__zay gny fagnambaran'i Yaveh toponigny maro__ko hizoso ao atragnonigny pangalasy vo ao aminigny tragnonize miay diso aminigny agnarako zay. Hitoby ao atragnony zay dra hanola gny hazony vo reo vatony."5Dra niboaky gny azely ze nizaka taminahy vo nizaka taminahy ho: "Asandrato gny masonao dra atio ze av'eo" 6Dra hoy zaho ho: "Ino igny?" Dra hoy izy ho: "Haro misy efaha igny avigny. Tihoky gny helok'ereo aminigny tany manotolo." 7Dra nala taminigny haro gny firaky fandrakofa dra nisy apela tao ambaninizay nitoby tao!8Dra nizaka gny azely ho: "Faharasia ty!" Naria tao agnaty haro ndraiky izy, dra naria teo aminigny fisokafany gny firaky fandrakofa. 9Napiandrandra gny masoko zaho dra nahita apela ro magnotany anahy, dra gny rivosy dra tegny aminigny elas'ereo reo__fa nana elasy manahaky gny elasy gny vano ereo. Napisandrasy gny haro teo agnelagnelanigny tany vo gny lagnisy ereo.10Dra nizaka taminigny azely ze nizaka taminahy ndraiky zaho ho: "Hndesin'ereo magneza gny taty?" 11Dra hoy izy taminahy ho: "Hamboara tepoly agny aminigny tanin'i Sanara ho an'izay, Dra gny fa vonona gny tepoly, dra hatobe agny eo aminigny fotosy voaoma honazy gny haro."
Chapter 6

1Dra nitoliky zaho dra napiandrandra gny masoko dranahita kalesy efasy niboaky boak'eo agnelagnelanigny tendrom-bohisy ro; dra reo tandrombohisy ro reo dra vita taminigny varahy. 2Gny kalesy volohany dra nana sovala mena, gny kalesy faharo nana sovala mety, 3gny kalesy fahatelo nana sovala fosy dra gny kalesa fahaefasy dra nana sovala sada fosy. 4Dra namaly zaho vo nizaka taminigny azely nizaka taminahy ho: "Ino reo, ry topoko?"5Namaly ilay azely dra nizaka taminahy ho: ''Ereo vo rivosy efatry gny lagnisy izay niboaky teo amgny plasy izay nisanganan'izy ereo teo anoloan'ilay Tompon'ny tany aby. 6Ilay iray miaraky amigny soavaly mety dra moboaky magnagny amigny firene avarasy; ary ereo soavaly sada fosy dra miboaky mandeha amign'ny firene asimo.''7Reo sovala matazaky reo dra niboaky dra nitalia handeha vo hirenireny egny aminigny tany, dra hoy gny azely ho: "Mandehana mirenireny egny aminigny tany!" dra nandeha nirenireny eranigny tany aby ereo. 8Dra nitaray taminahy izy dra nizaka taminahy dra agny aminigny firenena avarasy; hapitohy gny fagnahiko mahakasiky gny firenena avarasy ere."9Dra avy taminahy gny zakan'i Yaveh, manao anizahoky ho: 10"Mangala fagnatisy amireo tany asisitany__boak'agny Helday, Tobia, dra Jedaia__dra mandehana maizay andro zay avo dra alao ao atragnon'i Josia zanak'i Zefania, ze boak'agny Babylona zay. 11Dra alao gny volafosy vo volamena, manova satra-boninahisy dra apetraho eo aminigny lohan'i Josoa zanadahin'i Jozadaka, gny pisorombe zay.12Mizaka aminazy dra zakao ho: 'Zao gny zakan'i Yaveh toponigny maro:Ty lelahy tihoky, gny agnarany dra Rasana! Hitombo eo aminigny misy anereo sady hagnory gny tepolin'i Yaveh!13Izy gny hgnory gny tepolin'i Yaveh dra hananga abo gny famirapiratan'i zay dra hitoby vo hanapaky eo aminigny seza fiandrianany izy.Ho pisoron'eo aminigny sezafiandriananay izy dra hisy gny fahazava-sainigny fedagna eo amizy ro.14Hatobiko eo aminigny tepolin'i Yaveh gny satro-boninahisy hagnomezam-boninahisy an'i Helema, Tobia, vo Jedaia dra ho fahaserova gny hasoafagnanigny zanadahin'i Zefania. 15Dra reo ze lavisy dra ho avy vo hagnory gny tepolin'i Yaveh, dra ho fatandrareo fa Yaveh toponigny maro gny nigniraky anahy ho amindrareo; fa hitranga zay raha tena miteno gny feon'i Yaveh Zagnaharindrareo handrareo!"'
Chapter 7

1Tamin'i Dariosa pazaka gny panapaky nandrisy gny efa-tao, taminigny andro fahaefasy nazakan'i Kisleva (zay vola fahasivy), dra avy tamin'i Zakaria gny zakan'i Yaveh. 2Nandefa an'i Serezara vo Regema-meleka dra reo olony gny vahoakin'i Betela ba hengavy anoloanigny tavan'i Yaveh. 3Nizaka tamireo pisoro ze tao atragnon'i Yaveh toponigny maro vo tamireo paminany ereo; hoy ereo ho: "Tokony handala aminigny alalanigny fifalia-kany ra zaho aminigny vola fahadimy, manahaky anizay fa nataoko tao maro reo?"4Dra avy taminahy gny zakan'i Yaveh taminigny maro, nanao anizahoky ho: 5"Mizaka aminigny pononigny tany aby vo amireo pisoro dra atovy anizahoky ho: 'Raha nifaly hany vo nandala taminigny vola fahadimy vo fahafito handrareo nandris'zay fotoa fito tao zay,moa ra nifaly hany honahy mary handrareo? 6Raha nihina vo nino handrareo, moa ra sy nino vo nihina ho anigny vatandrareo handrareo? 7Moa ra sy reo zaka reo avo gny zinakan'i Yaveh taminigny vavan'ireo paminany taloha, raha bo niny tao Jerosalema vo reo tana nagnodidy taminigny fagnambina dra nitoby tao Negeva, vo reo lemaka amoro-siraky agny andrefa handrareo? "'8Avy tamin'i Zakaria gny zakan'i Yaveh, nanao anizahoky ho: 9"Zao gny zakan'i Yaveh toponigny maro: 'Misara aminigny fisara mary, fagneke mahatoky, dra famindra-po. Aoka gny olo sirairay hanao anizay aminigny rahalahiny. 10Gny aminigny pitondratena vo gny kamboty, gny vahiny, dra gny olo mahatra __dra mapahory anereo, dra aoky sy hisy amindrareo hitetiky anereo, dra aoky sy hisy amindrareo hitetiky hagnisy rasy gny hafa ao apondrareo.'11Nefa nanda gny hiteno ereo dra nagnamafy sorok'ereo. Nagnakato gny sofiny ereo ba sy hahare. 12Nagnamafy gny fony manahaky gny vato ereo ba sy hahare gny lalana na reo zakan'i Yaveh toponigny maro. Nandefa hafasy reo ho anigny vahoaky taminigny alalanigny Fagnahy taminigny fotoa taloha, taminigny alalanigny vavan'ireo paminany Izy. Nefa nanda gny hiteno gny vahoaky, dra ory fatrasy tamireo Yaveh toponigny maro.13Dra gny fa nitoka Izy, dra niteno ereo. Manahaky anizay avo koa," hoy Yaveh toponigny maro," gny hitokavan'ereo fatrasy anahy, fa sy hiteno zaho. 14Fa haeliko aminigny talio agny amireo firenena aby ze sy bo hitany ereo, dra ho lao mindray aminereo gny tany. Fa sy misy olo handalo aminigny tany na hihery ao amizay akory fa namadiky gny tanin'ereo soasoaho tany ngazana gny vahoaky."
Chapter 8

1Avy aminahy gny zakan'i Yaveh toponigny maro, nanao anizahoky ho: 2"Zao gny zakan'i Yaveh toponigny maro: Tia fatrasy an'i Ziona aminigny zoto-po lahibe Zaho dra saropiaro nohonigny aminazy aminigny fahoria lahibe Zaho! 3Zao gny zakan'i Yaveh toponigny maro: hevery agny Ziona Zaho dra hitoetra ao agnevon'i Jerosalema, fa natao ho gny tananigny Fahamarigna i Jerosalema dra gny tendrombohis'i Yaveh toponigny maro dra hatao ho gny Tendrombohisy Masy!4Zao gny zakan'i Yaveh toponigny maro: Lahy atisy vo apela atisy ndraiky gny ho egny an-dalam-ben'i Jerosalema, dra gny olo sirairay hitalia fitekena ho egny atagnany akory fa niha-atisy izy. 5Ho feno tovolahy vo tovovavy mihira egny amireo lalam-beny gny tana.6Zao gny lazakan'i Yaveh toponigny maro: Amizay andro zay raha misy raha sy hay atao eo amason'ireo vahoaky sisa tavela, dra tokony sy ho hay atao eo amasoko koa ra zay? __zay gny fagnambaran'i Yaveh. 7Zao gny zakan'i Yaveh toponigny maro: Ingo, eo an-dalam-pagnavota gny oloko aminigny tany filetehanigny masoandro! 8Fa hinday anereo hihery Zaho, dra honin'ao agnevon'i Jerosalema ereo, ba ho vahoako ndraiky ereo, dra ho Zagnaharin'ereo aminigny mary vo aminigny fahamarigna Zaho!9Zao gny zakan'i Yaveh toponigny maro: Ino zay manohy miteno reo zaka mitovy ze niboaky boak'aminigny vavanigny paminany gny fa natoby gny fotosy gny tragnoko__ty tragno ty, Yaveh toponigny toponigny maro: Atazaho reo tagnanao ba ho voasanga gny tepoly. 10Fa talohan'izay andro zay dra sy nisy vokasy voavorinigny olo , sy nisy tombony na ho anigny olo na ho anigny biby, dra sy nisy fedagna ho an'ize olo miboaky na midisy boak'amireo fahavalo. Fa nanoby gny olo sirairay hanohisy gny namany Zaho.11Fa amizao zay dra sy hanahaky gny taminigny andro fahiny, homba gny sisanity vahoaky ty Zaho__zay gny fagnambaran'i yaveh toponigny maro. 12Fahafay gny voanigny fedagna; dra gny tany hagnome gny voka-pambole; hagnome gny andony gny lagnisy, fa hapandovako anizay raha aby zay gny sisa amity vahoaky ty.13Ohasy ho an'ireo firenany gny ozona hafa handrareo, ry taranak'i Joda vo taranak'Israely. Ko dra hamozy andareo Zaho dra ho Fitahia andrareo. Ka matahosy; aoky hatazaky gny tagnandrareo! 14Fa izao gny zakan'i Yaveh toponigny maro: manahaky gny nagnomanako hanao rasy amindrareo gny fa napaory Anahy reo razambendrareo__hoy Yaveh toponigny maro__dra sy nilefisy Zaho, 15gny hagnomanako hanao raha soa ndraiky ho an'i Jerosalema vo gny taranak'i Joda avo koa amizay andro zay! Ka matahosy!16Tahoky gny raha ze sy maisy hataondrareo: Mizaka gny mary, gny olo sirairay aminigny namany. Mizaka aminigny mary, rariny, dra fedagnan'eo aminigny vavahadindrareo. 17Ka mano fikasan-drasy ao apondrareo aminigny hafa, dra ka mitia fianian-diso__akory malaiky reo raha reo Zaho!__zay gny fagnambaran'i Yaveh."18Dra avy aminahy gny zakan'i Yaveh toponigny maro, manao anizahoky ho: 19"Zao gny zakan'i Yaveh toponigny maro: Gny fifalin-kany aminigny vola fahaefasy, vola fahadimy, vola fahafito, dra gny vola fahafolo dra ho lasa fotoanigny fifalia, firavoravoa, dra fotoa mahafinarisy ho anigny taranak'i Joda! Noho zay tiavo gny fahamarigna vo gny fedagna!20Zao gny zakan'i yaveh toponigny maro: Hoavy ndraiky gny vahoaky, na dre reo ze monin'amin'ireo tana maro sambihafa aza. 21Handeha ho agny aminigny tana hafa: "Aoky handeha malaky eo agnoloan'i Yaveh sika dra hitalia an'i Yaveh toponigny maro! Handeha avo koa sika. 22Vahoaky maro vo ferenena mahery maro gny hoavy hitalia an'i Yaveh toponigny maro agny Jerosalema dra hengavy gny fakasitrahan'i Yaveh!23zao gny zakan'i Yaveh toponigny maro: Amizay andro zay dra lelahy folo boak'aminigny fizaka vo firenena aby gny hihazo gny sisinigny akazonao dra hizaka ho: 'Aoky hindray aminao zahay, fa renay fa momba anao gny zagnahary!"'
Chapter 9

1Zao gny fagnambaranigny Zakan'i Yaveh mahakasiky gny zakan'i Hadraka vo i Damaskosy. Fa gny mason'i Yaveh dra aminigny olombelon'aby, dra aminigny fokon'Israely aby koa.2Ty fagnambara tihoky avo koa dra mahakasiky an'i Hamata, ze mifanolosy amin'i Damaskosy, dra mahakasiky an'i Tyro vo Sidona zay, na dre tena hendry aza ereo3Fa nagnory fiarova fatrasy ho an'ny vatany i Tyro dra nagnoro volavosy manahaky gny botany vo volamena voalio manahaky gny fotoky egny an-dala. 4Ingo! hagnafoa anazy Zagnahary dra hanola gny tazany andranomasy, ba ho levon'ny afo izy.5Hahita i Askelpona dra hatahosy! Hangovisy fatrasy avo koa i Gaza! Ekrona, ho foa gny fanantenany! Ho maty agny Gaza gny pazaka, dra i Askelona dra sy hisy ponina sasy! 6Hanao gny tragnony ao Asdoda ireo apela, dra hagnafoa gny fireharehan'ireo Filistina zaho. 7Fa hangalaky gny lion'izy ireo eo amigny vavany zaho dra gny fahavetavetan'izy ireo eo agnelagnelan'ny nifiny. Dra mizary sisa ho an'ny Zagnahary manahaky gny foko agny Joda izy ireo, dra Ekrona dra hizary manahaky ireo Jebosita.8Hitoboky magnodidy gny taniko zaho ba hanohisy ireo maramilan'ny fahavalo dra sy hisy na raiky aza afaky madroso na mihery, fa sy hisy mahaory handalo eo amin'izay sasy. Fa ankehitriny dra hiamby gny zakako amigny masoko zaho!9Mihobia amigny fifaliam-be, dra zanaky vavin'i Ziona! mihobia am-pifalia, dra zanaky vavin'i Jerosalema! Ingo! avy amifahamarina aminao gny pazaka dra magnavosy anao.Manitry tena izy dra mitikisy eo amigny boriky, eo agnabo zana-boriky. 10Dra ho foagnako gny kalesy avy agny Efraima vi gny sovala avy agny Jerosalema, dra gny sipiky dra ho foagna amigny aly; fa hizaka fiadagna amin'ireo firenena izy , dra gny fanapahany dra ho avy amigny ranomasina dra hatramigny ranomasina, dra hatramigny Ony dra hatramigny faravaza-tany.11Gny amidrareo, nohon'ny liony fagnekeko ao amidrareo, dra hafahako avy ao andavaky izay sy misy rano ireo gadrandrareo. 12Miharegna agny amigny ferova fatrasy, ry gadranigny fanatena! EH na dre amizao aza dra mitalily Zaho fa hanohisy avo ro heny amindrareo, 13fa nagneza an'i Joda ho sipikako Zaho. Fa namaha gny zana-sipikako taminigny Efraima Zaho. Fa nanaisy reo zanandrareo zaho, ry Ziona, hanohisy reo zanadahindrareo, ry Grisia, dra fa nanao andrareo manahaky gny mesa gny pialy Zaho, ry Ziona!14Hiseho amin'ereo i Yaveh, dra hitifisy manahaky gny helasy gny sipikany! Fa Yaveh topoko hisioky tropotra dra handroso boak'aminigny tafio-drivosy boak'agny Temana. 15Yaveh toponigny maro gny hiaro anereo, dra handovan'anereo vo handresy gny vaton'asamotaliny reo. Dra hino ereo vo hodradradradra manahaky gny olo mamonigny divay, dra ho feno divay manahaky reo lovia ereo, manahaky reo zoronigny alitara.16Ko amizay andro zay dra hamozy anereo i Yaveh Zagnahariny; dra hanahaky gny agnondrinigny vahoakiny ereo, fa ereo gny ho firavaky gny satro-boninahisy, hisandrata eo aminigny taniny. 17Fa akory gny hasoany vo gny hapelasoan'ereo! Hagniry eo aminigny vary gny tovolahy vo gny viriziny eo aminigny voaloboky mamy!
Chapter 10

1Mangataha ora amin'i Yaveh aminigny vani-potoanigny oran-dohatao__Yaveh ze manao kotrokora__dra magnome ora mivatravatra ho anigny saka. 2Fa reo sapy ao atokatragno dra mizaka vandy; mizaka nofy fitaky ereo dra magnome fapionogna vandy, dra mirenireny manahaky gny agnondry dra mizaly nohonigny sy fisianigny piaraky anereo.3Gny haoriako dra mirehisy amireo piarak'agnondry; reo osilahy__pitariky__gny ho faiziko. Yaveh toponigny maro avo koa dra hagnatriky reo agnondriny, dra gny taranak'i Joda, dra hanao anereo manahaky gny sovala fetiny agny aminigny aly!4Boak'amin'ereo gny hevianigny vato fehizoro; boak'amin'ereo gny hevianigny fetognan-draha gny lay; boak'amin'ereo gny hevianigny sipiky felia; boak'amin'ereogny hevianigny pitaariky aby hindray. 5Hanahaky gny pialy ze magnisaky gny fahavalony eo aminigny fotaky gny lala aminigny alin'ereo; hialy ereo, akory Yaveh gny momba anereo, dra hahamegnasy reo ze mitikisy sovalin'aly ereo6Hapahery gny taranak'i Joda Zaho dra hamozy gny taranak'i Josefa; fa hagnerin'anereo aminigny loniny Zaho dra hamindra fo amin'ereo. Hanahaky gny ho sy nandagnako ereo, akory Zaho gny Yaveh Zagnaharin'ereo, dra hamely anereo Zaho. 7Dra hanahaky gny pialy i Efraima, dra hifaly manahaky gny azonigny divay gny fon'ereo; hahita anizay reo zanany dra hifaly. Hifaly Aminahy gny fon'ereo!8Hisioky ho anereo Zaho dra hamory anereo, akory hamozy anereo Zaho, dra ho lahibe manahaky gny taloha ereo! 9Namafy anereo tegny amireo olo Zaho, nefa hahasiaro Anahy agny amireo firenena lavisy ereo, dra ho velo vo hihery ereo vo gny zanany. 10Fa hapoly anereo boak'agny aminigny tany Egypta Zaho dra hamory anereo boak'agny Asyria. Hinday anereo agny aminigny taninigny Gileada vo Libanona Zaho mandra-paha sy hisy efitragno ho anereo sasy.11Hamakivavay gny ranomasi-pahorian'ereo Zaho; hamely reo ozan'izay ranomasy zay Zaho dra hagnamaiky gny lalan'i Neily aby. Hahetry gny voninahis'i Asyria, dra gny tehi-pazakan'i Egypta hialy amireo Egyptiana. 12Hagnamafy orin'anereo aminahy Zaho, dra handeha aminigny agnarako ereo__zay gny fagnambaran'i Yaveh.
Chapter 11

1Sokafo gny vatrangaranao, ry Libanona, ba handevognanigny afo gny sederanao! 2Mandala, ry hazo kypreso, fa nezera gny hazo sedera! reo abo dra fa nifongory! Mandala, handrareo ry hazo terebitan'i Basana, fa ripaky gny ala kitroky. 3Midradradradra reo perak'agnondry, fa rava gny voninahis'ereo! Miero gny feonigny zanaky gny liona, fa rava gny reharehanigny Ony Jordana!4Zao gny zakan'i Yaveh Zagnahariko: "Manahaky gny piarak'agnondry, miamby gny agnondry ze ho vono! 5(Mamono anereo gny mivily anazy dra sy voasazy, dra gny mivarosy anereo manao anizahoky ho: 'Isoran'anie Yaveh! Fa panandraha Zaho!' fa reo pandigny asa ho an'ireo topon'agnondry dra sy niatra ereo.0 6Fa sy hiatra gny poninigny tany sasy Zaho!__zay gny fagnambaran'i Yaveh. Ingo! Gny tagnako mihisy gny hagnery gny olon'aby eo atagnanigny namany vo eo atagnanigny pazakany, dra handrava gny tany ereo dra sy hisy dre raiky amin'ereo aza hafahako eo atagnan'ereo reo."7Ko dra lasa perak'agnondry voalahasy ho vono Zaho, ho an'ireo ze ninday agnondry. Natakasy tehy ro Zaho; gny tehy raiky nataoko ho"fahasoava" dra gny hafa nataoko ho "Fikambagna". Tamizay fomba zay gny nerazako gny agnondry. 8Piaraky agnondry telo gny nivonoko tao agnatinigny volany raiky, akory sy naharisy tamin'ereo zaho, dra nalaiky anahy rahateo ereo. 9Dra hoy zaho taminigny topon'agnondry ho: "Sy hiasa ho piaraky agnondrinao sasy zaho. Gny agnondry ze maty__dra aleo ho maty, gny agnondry ze ringa__dra aleo ho ringa. Aoky gny agnondry ze sisa tavela samby hihina gny nofonigny namany."10Dra nitakariko gny tehiko "Fahasoava" dra nisolaky zay ba hagnafoagnako gny fagneke ze fa nataoko tamireo fikoko aby. 11Tamizay andro zay dra rava gny fagneke, dra reo ze ninday gny agnondry vo nagnety anahy dra nahafatasy fa nizaka Yaveh. 12Dra hoy zaho tamin'ereo ho: "Raha toa ka soa amindrareo zay, dra aloavo gny karamako. fa raha sy zay, dra aok'avo." Dra nilazan'ereo gny karamako__sekely volafosy telopolo.13Dra ho Yaveh taminahy ho: ''Apetraho ao amigny fipetran-drakisy gny volafosy, gny sanda soa avo izay nagnomba- nan' ereo hanao!'' Ka dra nalako gny se- masaisaiky volafosy dra napetrako tao amigny fitoera-drakosy tao atragnon'i Yaveh. 14Boak'eo nipotehiko gny zakako faharo, "Fikambana", ba hamoteha gny firahalahian'i Joda vo i Israely.15Hoy Yaveh taminahy ho: "Alao ho anigny tagnanao ndraiky gny fitovanigny perakandro mola, 16fa ingo, hanoby perakandro eo aminigny tany zaho. Sy hiraharaha gny agnondry maty izy. Sy hitalia agnondry levo izy, na koa hagnasitra gny mandringa. Sy hagnaha gny agnondry ze salama izy, fa hihina gny nofonigny agnondry matavy dra hamiravira gny kitron'ereo.17Loza ho anigny piaraky agnondry sy mendriky ze mahafo gny agnondry! Hamely gny sandriny vo gny masony akavana anie gny mesa! Halazo anie gny sandriny dra ho Poaky gny masony akavana!"
Chapter 12

1Tihoky dra fagnambara gny zakan'i Yaveh mahakasiky an'Israely__fagnambaran'i Yaveh, ze nanandrasy reo habakabaky vo nanoby gny fotosy gny tany, ze mamolavola gny fagnahin'aolmbelo ao agnatigny olo ho: 2"Ingo, eo an-dalanovan'an'i Jerosalema agnaty kapoaky Zaho hahaavy reo vahoak'aby magnodidin'anazy hivembe. Dra hanahaky anizay avo koa gny an'i Joda mandrisy gny fihirano an'i Jerosalema. 3Amizay andro zay, hataoko ho vato mavesasy ho anigny olon'aby i Jerosalema. Ze magnandra gny hagnenga(hagnozo) anizay vato zay dra handrasy fatrasy gny vatany, dra hitambasy hanohisy anizay tana zay reo firenenigny tany aby.4Amizay andro zay __zay gny fagnambaran'i Yaveh__hamely gny sovala sirairay aminigny horohoro Zaho dra gny pitikisy anazy aminigny fahavereza-say. Hagnety apahakasitraha gny taranak'i Joda Zaho dra hamely gny sovalan'ireo tafiky aminigny fahapoaha. 5Boak'eo reo pitarik'i Joda hizaka anakapo ho: 'Reo ponin'i Jerosalema gny tazasika noho i Yaveh toponogny maro, Zagnaharin'ereo.'6Amizay andro zay dra hataoko manahaky gny fata mirehisy egny aminigny hazo dra manahaky gny fanilo egny aminigny amboara reo pitariky gny Joda, fa ereo gny handevo reo firenena aby magnodidin'eo akavanany vo eo akaviany. Hitoby eo aminigny toerany ndraiky i Jerosalema."7Hamozy reo lain'i Joda i Yaveh, ba sy ho lahibe noho gny sisa tavela amin'i Joda gny voninahisy gny taranak'i Davaida vo gny voninahis'ireo ze manin'ao Jerosalema. 8Amizay andro zay dra ho piaro reo ponin'i Jerosalema i Yaveh, dra amizay andro zay reo ze ketraky amin'ereo dra hanahaky an'i davida, dra gny taranak'i Davida dra hanahaky an'Agnahary, manahaky gny azelin'i Yaveh eo anoloan'ereo. 9"Amizay andro zay dra hanomboky handringa reo firenena aby ze avy hanohisy an'i Jerosalema Zaho.10Nefa handraraky gny fagnahinigny fangoraha-po vo fitaraigna aminigny taranak'i Davida vo reo ponin'i Jerosalema Zaho, ba hitolihan;ereo aminahy, gny Raiky ze nilefonin'ereo. Handala nohonigny Aminahy, manahaky gny olo mandala aminigny zanadahiny toka ereo; handala honazy manahaky reo ze mandala nohonigny fahafatesanigny voloha-zanak'ereo. 11Amizay andro zay gny fandala ao Jerosalema dra hanahaky gny fandala tao hadadrimona eo aminigny lemak'i Megido.12Handala gny tany, gny fianakaviambe sirairay hitokan'amireo fianakaviambe hafa. Gny fianakaviambenigny taranak'i Davida hitoka vo reo valin'ereo hitokan'amireo lelahy. Gny fianakaviambeny taranak'i Natana hitoka dra reo valin'ereo hitokan'amireo lelahy. 13Gny fianakaviambeny taranak'i Levy hitoka dra reo valin'ereo hitokan'amireo lelahy. Gny fianakaviamben'ireo Simeita hitoka dra gny valin'ereo hitoka amireo lelahy. 14Gny fianakaviambe sirairay amireo fianakaviambe tafazano__gny fianakavia sirairay dra samby hisitokatoka dra gny valin'ereo hitoka amireo lelahy."
Chapter 13

1"Amizay andro zay dra hisy loharano hisokaky ho anigny akohonan'i Davida vo reo ponin'i Jerosalema, nohonigny fahotan'ereo vo gny sy fahaliovan'ereo. 2Amizay andro zay__zay gny fagnambaran'i Yaveh toponigny maro__gny hagnafoagnako gny agnaran'ireo sapy aminigny tany ba sy ho saroa sasy ereo. Hapiboaky reo maloton'ereo aminigny tany avo koa Zaho.3Raha misy olo manohy maminany, dra hizaka aminazy gny raiky vo gny reniny ze niteraky anazy ho: 'Sy ho velo hanao, akory mizaka vandy aminigny agnaran'i Yaveh!' Boak'eo gny rany vo gny reniny ze niteraky anazy handefon'anazy gny fa maminany izy.4Amizay andro zay gny paminany sirairay dra ho magnasy aminigny fahitany aby eo apaminania izy. Reo paminany reo dra sy hanao lamba voloy, ba hamitaha gny olo sasy. 5Fa gny sirairay hizaka ho: 'Sy paminany zaho! Lelahy miasa tagny zaho, akory gny tany gny lasa asako raha bo tovolahy zaho!' 6Fa hisy olo raiky hizaka aminazy ho: 'Ino reo rasy eo agnelagnelan'ireo sandrinao reo?' dra hamaly izy ho : 'Narasy nindray tamireo ze tao aminigny tragnon'ireo namako zaho."'7"Ry mesa! Asandrato aminigny perakandroko, gny lelahy ze misangan'eto agnilako gny tagnanao__zay gny fagnambaran'i Yaveh toponigny maro. Veleso gny perakandro, dra hiparitaky reo agnondry! Fa hagnery gny tagnako hanohisy reo madiniky Zaho.8Dra manera gny tany aby__zay gny fagnambaran'i Yaveh__dra hisy ro apahatelon'izay hofoagna! Ho levo reo olo reo; raiky apahatelony avo gny hizanon'agny. 9Handesiko aminigny afo io apahatelony io dra ho lioviko manahaky gny magnalio volafosy ereo; hatiako manahaky gny volamena voazaha ereo. Hitoka gny agnarako ereo, dra hamaly anereo Zaho dra hanao anizahoky ho: 'Tihoky gny oloko!' dra hizaka ereo ho: 'Yaveh gny Zagnahariko!""
Chapter 14

1Ingo! Ho avy gny andon'i Yaveh gny fa hozaran'eo agnevondrareo gny babondrareo. 2Fa havoriko hanohisy an'i Jerosalema aminigny aly gny firenena aby dra ho voababo gny tana. Reo tragno dra ho voababo gny apela ho voaola. Gny asasaky gny tana dra ho voababo, fa gny sisa tavela amireo olo dra sy halan'eo aminigny tana.3Fa i Yaveh dra hiboaky dra hialy amireo firenena manahak'anazy aby mialy aminigny andronigny aly. 4Amizay andro zay gny tombony dra hisangan'eo agnabonigny Tendrombohis'i Oliva, ze eo agnilan'i Jerosalema agny asignana. Gny Tendrombohis'i Oliva dra hotriaty ro dra ho sarahinigny lohasaka lahibe dra gny asasaky gny tendrombohisy dra hihery manoloa gny avarasy dra gny asasaky manoloa gny asimo.5Boak'eo hanao hienga hizoso gny lohasaka eo agnelagnelan'ireo tendrombohis'i Yaveh, fa gny lohasaka eo agnelagnelan'ireo tendrombohisy dra hipaky hatragny Azela. Hienga manahaky gny nenganao taminigny horohoro-tany tamireo andron'i Ozia, pazakan'i Joda hanao. Dra ho avy i Yaveh Zagnahariko dra hindray Aminazy avokoa reo olomasin'aby.6Amizay andro zay dra sy hisy hazava, fa sy hisy na hasiaky na fanala. 7Amizay andro zay, andro zay Yaveh raiky avo gny mahafatasy, dra sy hisy andro na hariva sasy, fa gny hariva dra ho lasa fotoanigny hazava. 8Amizay andro zay gny rano velo dra hikoria hiboaky an'i Jerosalema. Gny asasak'ireo dra hikoria aminigny ranomasy asignana dra gny asasany aminigny ranomasin'andrefa, aminigny fahavarasy vo aminigny ririny.9Ho pazaka aminigny tany aby i Yaveh. Amizay andro zay dra hisy Yaveh, Gny Zagnahary vatany, dra gny agnarany raiky avo. 10gny tany aby dra hanaky an'i Araba, manombok'ao Geba dra hatragny Rimona asimon'i Jerosalema. Hasandrasy hatragny i Jerosalema dra hitoby aminigny toerany manoka, hatragny aminigny Vavahadin'i Benjamina dra hatragny aminigny toera ze nisy gny vavahady volohany, hatragny aminigny Vavahady azorony, dra hatragny aminigny Tilikambon'i Hananela dra hatragny amireo famiazam-boaloboky gny pazaka. 11Gny vahoaky dra hipetrak'agny Jerosalema dra sy hisy faharava tateraky boak'amin'Agnahary hanohisy anereo sasy. Hiay sy amin'ahiahy i Jerosalema.12Zao gny ho loza ze hamelezan'i Yaveh an'ireo vahoak'aby nialy nanohisy an'i Jerosalema: gny nofon'ereo dra ho lo na dre misanga aminigny tombony aza ereo. Gny mason'ereo dra ho lo ao aminigny faladian'ereo dra gny lelan'ereo ho lo ao am-bavan'ereo. 13Amizay andro zay gny tahosy lehibe boak'amin'i Yaveh dra ho avy amin'ereo. Gny sirairay dra hihazo gny tagnanigny hafa, dra gny tagnanigny raiky dra hisandrasy hamely gny tagnanigny raiky hafa.14Joda avo koa dra hialy hanohisy an'i Jerosalema. Hamory gny haren'ireo firenena magnodidin'aby ereo__volamena, volafosy, dra fitafia soa maro be. 15Gny loza avo koa dra ho amireo sovala vo reo apondra, reo rameva vo reo boriky, dra reo biby aby ao amireo toby reo avo koa dra hizaly amizay loza zay avo.16Dra izao gny heseho, ze tavela ao amireo firenena ze avy manohisy an'i Jerosalema dra hiakasy isa-tao koa ba hidera gny pazaka, dra i Yaveh toponigny maro, dra hitandry gny Firavoravoanigny Felofa. 17Raha sy mandeha miakasy ho agny Jerosalema ba hidera anigny pazaka, dra i Yaveh toponigny maaro, gny olo boak'amireo firenenanigny tany, dra sy hinday ora amin'ereo i Yaveh. 18Raha sy miakasy gny firenen'i Egypta, dra sy hahazo ora ereo. Hisy areti-mandringa boak'amin'i Yaveh ze hamely reo firenena ze sy hiakasy ba hita gny Firavoravoanigny Fialofa.19Zay gny ho famaiza ho an'i Egypta dra famaiza ho anigny firenena aby ze sy miakasy ba hita gny Feravoravoanigny Felofa.20Fa amizay andro zay, gny lakolosin'ireo sovala dra hizaka ho: "Atokany ho an'i Yaveh," dra reo koveta ao aminigny tragnon'i Yaveh dra hanahaky gny apondra boribory eo agnetrehanigny alitara. 21Fa gny vilagny tanimanga aby ao Jerosalema vo Joda dra hataoko ho an'i Yaveh toponigny maro dra ze minday soron'aby dra hihina amin'io dra hapangotraky ao agnatin'ireo. Amizay andro zay reo pivarosy dra sy ho ao atragnon'i Yaveh toponigny maro sasy.

Malachi

Chapter 1

1Gny fizakany gny zakan'i Yaveh tamin'Israely alalan'ny tanan'i Malakia. 2''Fa nitia adrareo zaho,'' hoy Yaveh. Saingy hoy hadrareo ho: ''Manaoakory gny nitiavanao anay?'' ''Sy rahalahin'i Jakoba se i Esao?'' hoy zinakan'i Yaveh.'' Jakoba gny fa tiako, 3Fa Esao nihalako. Gny tedrombohiny dra fa nataoko lao, dra fa nataoko ho toerana ho an'ireo ambodia avy agny agnefisy gny lovany.4Gny mizaka i Edoma ho: ''Nolavoina izahay, kanefa hagnery hananga gny rava izahay,'' dra hizaka i Yaveh tomopon'ny maro ho: ''Mety hananga izy ireo,sangy ho ravako draiky. Ireo raha dra hitoka anazy ireo ho: ''Tananan'ny faharasiana'' vo ho: 'Ireo vahoaky izay nihozognon'i Yaveh mandrakizay.'' 5Hahita izay gny masodrareo, dra hizaka hadrareo ho: ''Yaveh dra lahibe mihoasy ireo faritaninIsraely.'''6" Manahaky gny zanadahy magnome voninahisy gny rany, vo gny panopo magnome voninahisy gny topony. Raha ray Zaho, eza gny voninahiso? Raha topo Zaho, eza gny fanehoa fazakako?" Hoy i Yaveh toponigny maro tamireo pisoro, ze nanao sinosino gny agnarako. "Saingy hoy handrareo ho: 'Akory gny nanovanay sinosino gny agnaranao?' 7Taminigny fanolora mofo voaloto eo aminigny alitarako. Saingy hoy handrareo ho: 'Akory gny nandotoanay Anao?' Taminigny filaza fa sy misy dikany gny latabas'i Yaveh.8Gny fa manolosy biby poaky hatao soro handrareo, moa sy rasy ra zay? Gny fa monolosy gny Kilemaina vo marary hanadrareo, moa sy rasy ra zay?" Atoroy agny aminigny governorandrareo zay! Handray andrareo ra izy na hatoby gny tavandrareo?" hoy Yaveh toponigny maro. 9Amizao handrareo dra bo magnotany gny endrik'Agnahary, ba hamindrany fo sika. Fa Yaveh toponigny maro nizaka fa aminigny fagnatisy manahaky ze egny atagnandrareo, moa hapitraky gny tarehindrareo ra Izy?10"Raha ba nisy raiky tamindrareo masy nagnakato gny vavahadinygny tepoly, ba sy ho zava-poa gny andrehetandrareo afo eo aminigny alitarako! Sy makasitraky andrareo Zaho ," hoy Yaveh toponigny maro: "dra sy hitakasy fagnatisy boak'aminigny tagnandrareo Zaho. 11Fa gny agnarako dra ho lahibe eo amireo firenena dra isaky gny toeran'aby manomboky aminigny fiposahanigny masoandro mandra-piletiny dra liti-kazo magnisy vo fagnatisy malio gny hatolosy aminigny agnarako. Fa gny agnarako dra lahibe eo amireo firenena." Hoy Yaveh toponigny maro. 12"Fa manirasira anizay handrareo gny fa mizaka fa maloto, reo sakafony, dra hataoko sinosino.13Hoy koa handrareo ho: 'Mandreraky koa izy zay,' dra nihero tamizay handrareo," hoy i Yaveh toponigny maro. "Ninday ze nala taminigny bibi-mola handrareo na kilemaina na mararay; dra nandesindrareo ho fagnatindrareo zay. Tokony hitakasy anizay boak'egny atagnandrareo ra Zaho?" hoy Yaveh. 14"Aoky hozogny pamitaky ze manan'agnondry vo mivoady hagnome Anahy zay, dra bo magnome soro ze misy kilema Anahy, Topo! Fa Izaho dra pazaka lahibe," hoy Yaveh toponigny maro," dra gny Agnarako hamem-boninahisy eo amireo firenena."
Chapter 2

1Dra handrareo pisoro, ho andrareo ty lity ty. 2"Raha sy hiteno handrareo, dra raha sy hametraky anizay ao apondrareo ba hagnomeza voninahisy gny agnarandrareo handrareo," hoy Yaveh toponigny maro, "dra handefa ozon'amindrareo Zaho. Eny vatany, fa nataondrareo tao apondrareo gny litiko.3Ingo, hizaka fatrasy gny taranadrareo zaho, dra hagnaparitaky zeziky egny amigny tavadrareo zaho, zeziky avy amigny firavoravoadrareo, dra hangalaky adrareo hiaraky amin'izay izy. 4Dra ho fatasidrareo fa nandefa io tamidrareo zaho, dra gny fifignekeko dra hitohy amin'ireo Levy,'' hoy Yaveh tompon'ny maro.5Gny fifagnekeko taminazy dra fiainana vo fiadagna, dra nameko anazy ireo izy ; nameko tahosy iazy, dra natahosy anahy izy, dra nizoro tamigny tahosy gny agnarako izy. 6Fapianarana marina no tao am-bavany, dra sy nisy diso teo amigny molony. Nidray tami-piadagna vo tami-pahamarigna taminahy izy dra niamboho tamigny fomba maro tamigny ota. 7Fa gny molosy gny pisoro dra tokony hagna-pahalala dra gny vahoaky dra tokony hitalia fapianarana avy agny am-bavany, satria pitodra hafas'i Yaveh tompon'ny maro izy.8Fa hadrareo dra niala tamigny lalana marina. Nahavy gny maero ho tafitohina amigny fagnaza gny lalana hadrareo. Nandika gny fagneke-pihavavanan'i Levy hadrareo,'' hoy Yaveh tompon'ny maro. 9''Noho izay zaho koa, dra fa nanao ho sinosino vo rasy teo alohan'ny vahoaky rehetra, satria sy nitadry gny lalako hadrareo, fa kosa nampiseho fagnakavahana tamigny fapianarana.''10Sy ray tokana avo se gny asika rehetra? sy Zagnahary tokana avo se gny nahary asika? nanaoakory isika olo kiraikiraiky avy gny kely finoaamigny rahalahiny, manirasira gny fagneken'ireo razambesika? 11Joda dra kely finoa. Zavatra maharikoriko gny nisy tao Israely vo tao Jerosalema. Fa nanirasira gny fitoerana masin'i Yaveh izay tiany i Joda, dra nanambaly gny zanaky vavin'adriamani-kafa. 12Aoka Yaveh hangalaky ireo lain'i Jakoba ilay izay nanao izay, ilay nifoha vo ilay namaly, na dre ninday fagnatisy ho an'i Yaveh tompon'ny maro aza izy.13Atovidrareo avo koa izao: ''Rakofadrareo amigny ranomaso gny alitaran'i Yaveh, amigny fitomagnia vo fisetoa, satria izy dra sy bo mitoliky amin'ilay fagnatisy na mandray izay ami-pankasitrahana avy egny atagnadrareo.14Fa hoy hadrareo ho: ''Nanaoakory izy gny sy manao an'izay?'' Satria Yaveh dra vavolombelo teo amidrareo vo gny valy tamigny fahatanoradrareo, tamin'izay naha kely finoa adrareo, dra piara-dia amidrareo vo validrareo tamigny alalan'ny fifagneke aza izy. 15Sy nambany horaiky se izy ireo, midray amigny pilaky gny fagnahiny? koa nanaoakory hadrareo gny nataony ho raiky? satria izy dra nitalia taranaky avy amin'i Zagnahary. Koa ambeno ao amigny fagnahidrareo gny vatadrareo, dra aza sy matoky gny valin'ny fahatanoradrareo. 16''Fa malaiky gny fisarahana zaho,'' hoy Yaveh, Zagnahadr'Israely, ''dra ilay magnaro gny fotafiany amigny herisetra,'' hoy Yaveh tompon'ny maro. ''Dra ambeno ao amigny fagnahidrareo gny fatadrareo dra aza kely finoa.''17Nadreraky an'i Yaveh tamigny zakadrareo hadrareo. Fa hoy hadrareo ho: ''Ahoana gny nadrerahanay anazy?'' Tamigny fizaka ho: ''Izay rehetra manao rasy dra soa eo amason'i Yaveh,'' na hoe:'' Eza gny Zagnahariny gny fahamarina?''
Chapter 3

1"Ingo, fa ba handefa gny irako Zaho, dra izy dra hagnoma gny lalan'eo anoloako. Ko dra ho avy tapoky ao aminigny tepoliny gny Topo ze taliavindrareo. Gny iraky gny fagneke ze hakasitrahandrareo, Ingo, ho avy izy," hoy Yaveh toponigny maro. 2Fa iza moa gny hahavita hiarisy gny andro hahaviany? Iza gny hahavita hizoro gny fa hiseho Izy? Fa Izy dra hanahaky gny afonigny pandredriky vo savony fanasan-damba. 3Hitoby manahaky gny pandredriky vo pandio volafosy Izy, dra hagnalio reo zanadahin'i Levy. Handrendriky anereo manahaky gny volamena vo volafosy Izy, dra hinday fagnatisy gny fahamarigna ho an'i Yaveh ereo.4Dra gny fagnatis'i Joda vo i Jerosalema dra hakasitrahan'i Yaveh, manahaky gny andro faela, vo manahaky gny tao taloha. 5Dra ho avy zaho hisara andrareo. Vetivety Zaho dra ho avy vavolombelo hanohisy reo pisikily, pizangazanga, vavolombelo sandoky, dra hanohisy ze mapahory gny piasa aminigny karamany, reo ze mapizaly gny pitondrategna vo reo kamboty, hanohisy ze nanda gny vahiny, dra hanohisy reo ze sy magnome voninahisy Anahy," Hoy Yaveh toponigny maro.6"Fa Zaho, Yaveh, dra bo sy niova; noho zay handrareo, ry zanadahin'i jakoba, dra sy ho trasy farany. 7Hatraminigny andron'ireo razambenao dra nanda gny didiko handrareo dra sy nitnandrin'anizay. Miheregna aminahy, dra hiherin'amindrareo zaho," hoy Yaveh taponigny maro. "Fa hoy koa handrareo ho: 'Aminigny fomba akory gny hiheregnako?'8Misy olo hadroba an'i Zagnahary se? saingy madroba anahy hadrareo. Fa hoy hadrareo ho: ''Tamigny fomba manaokory gny nandrombanay anao? Tamin'ireo ampahafolokarena vo ireo fagnatisy. 9Hadrareo dra voaozo, satria nandromba anahy, dra firenena manotolo.10Andeso ao amigny tragno fitehirizana gny ampahafolon-karena feno, ba hisy sakafo ao amigny tragnoko, dra sapao amin'izao zaho, ''hoy Yaveh tampon'ny maro, '''Raha sy manokaky gny vatrangaran'ny lagnisy amidrareo zaho dra madraraky fahasoavana eo amidrareo, madram-paha sy misy afisy ho amin'izay rehetra izay sasy. 11Hizaka manohisy izay manola gny masom-bilodrareo zaho, ba sy hanolan'izay ireo gny vakasy gny zakadrareo. Ireo volobokidrareo egny asaha dra ho vagno,''hiy Yaveh tompon'ny maro. 12Gny firenena aby dra hitoka adrareo ho sambasy satria ho tany mahafinarisy hadrareo,'' hoy Yaveh tompon'y maro.13Nahery taminahy gny zakadrareo,'' hoy Yaveh.''Singy hoy hadrareo ho: ''Ino gny nifapizakanay manohisy anao?'' 14Hoy hadrareo ho: '' Sy taliavy gny manopo an'in Zagnahary. Ino gny tombosoasika raha nitadry ireo fangatahiny isika nandeha tam-pisaonana teo agnatrehan'i Yaveh tompon'ny maro? 15Dra ankehitriny isika mitoka gny pirehareha ho sambasy. Sy mahomby fosiny ireo panao rasy, fa misapa an'i Zagnahary misoaky mihisy.'''16Avy eo dra nifapizaka ireo izay natahosy an'i Yaveh. Nifatoky soa Yaveh dra niteno, dra nosoraty teo alohany gny boky fahasiarova mambon'ireo natahosy an'i Yaveh vo nagnome voninahisy gny agnarany.17Hon'Ahy izy ireo'' hoy Yaveh tompon'ny naro, ''Fanagnako sarobidy, amigny andro izay hiasako. Hiatra anazy zaho, manahaky gny olo raiky miatra gny zanany lahy izay manopo anazy. 18Dra hagnavaky gny olomarina vo gny rasy fagnahy draiky hadrareo, eo amin'izay manompo an'i Zagnahary vo izay manompo anazy.
Chapter 4

1Fa ingo, ho avy gny andro toy gny fatana, aby lasa moloso ireo pirehareha vo panao rasy aby. Ho avy gny andro agnoro anazy ireo, ''hoy Yaveh tompon'ny maro, dra, ''dra hagnenga izay ho sy hisy faka vo rasany izay. 2Fa ho adrareo izay matahosy gny agnarako, gny masoandron'ny fahamarinana dra hiposaka midray amigny fagnasitragna egny amin'ireo elany. Hiboaky hadrareo, dra hidikosy manahaky gny zanak'agnomby avy ao amigny fihinanam-bilona. 3Amin'izay andro izay dra hagnisakisaky gny rasy hadrareo, satria ho levona ambanin'ny faladian-dombotrareo izy ireo amigny andro izay hiasako,'' hoy Yaveh tompon'ny maro.4Tadidio gny fapianaran'i Mosesy panopoko izay nameko anazy tagny Horeba ho an'Israely aby, ireo didy vo fisipiky. 5Ingo, hagniraky an'i Elia paminany zaho mialohan'ny fiavian'ilay andro lahibe vo mapatahos'i Yaveh. 6Hagnery gny fan'ny ray ho amigny zanaky izy, dra gny fon'ny zanaky ho amin'ireo babany, ba sy hiaviko dra hamelezako gny tany amigny faharavana tanteraky.''

Matthew

Chapter 1

1Gny boky gny razan'i Jesosy kristy zanak'i Davida zanak'i Abrahama. 2Abrahama gny ran'Isaka, dra Isaka gny ran'i Jakoba, dra Jakoba gny ran'i Joda vo reo rahalahiny. 3Joda gny rain'i Fareza vo i Zara laha tamy Tamara, Fareza gny rain'i Herzona, dra Herzona gny rain'i Rama.4Raha gny ran'i Amidaba , dra Aminadaba gny ran'i Nasona, dra Nasona gny ran'i Salmona. Salmona gny ran'i Boaza tamy 5Rahaba, Boaza gny ran'i Obeda tamigny Rota, Obeda gny ran'i Jese. 6Dra Jese gny ran'i Davida panjaka, Davida gny ran'i Solomona tamy alalagny valiny Oria.7Solomona gny ran'i Rehoboama, Rehoboama gny ran'i Abia, dra Abia gny ran'i Asa. 8Asa gny ran'i Jaosafata, dra Jaosafata gny ran'i Jorama, dra Jorama gny razan'i Ozia.9Ozia gny ran'i Jotama, Jotama gny ran'i Ahaza, Ahaza gny ran'i Hezekia. 10Hezekia gny ran'i Manase, manase gny ran'i Amona, dra Amona gny ran'i Josia. 11Josia gny ran'i Jekonia vo reo rahalahiny tamy fotoa gny fandroaha ho agny Babylona.12Tafarany fandroaha ho agny Babylona, dra Jekonia gny ran'i Sealtiela, dra Sealtiela gny ran'i Zerobabela. 13Zerobabela gny ran'i Abihoda, Abihoda gny ran'i Eliakima, dra Eliakima gny ran'i Azora. 14Azora gny ran'i Zadoka, Zadoka gny ran'i Akima, dra Akima gny ran'i Elihoda.15Elihoda gny ran'i Eliazara, Eliazara gny ran'i Matana, dra Matana gny ran'i Jakoba.16Jakoba gny ran'i Josefa zay valin'i Maria, gny niteraky an'i Jesosy, zay nitokavy ho Kristy.17Gny taranaky aby manomboky amin'i Abrahama dra hatra amin'i Davida dra taranaky efasy amby folo, manomboky amin'i Davida dra hatra amy fandroaha ho agny Babylona dra taranaky efasy amby folo, dra manomboky amy fandroaha ho agny Babylona dra hatra amin'i Kristy dra taranaky efasy amby folo.18Manahaky anizao gny nisehoany fahaterahan'i Jesosy Kristy. Gny reniny, Maria, dra fa natokja hanambaly an'i Josefa, fa saiky taloha gny niarahan'ereo , dra hita fa nibevoka izy laha tamy fagnahy Masy. 19Josefa, valiny, dra lelahy mary, sady sy te-hagnala baraka anazy ampihibemaso. Ka nanapa-kevisy izy gny hamara mangingiky gny fifanekeny taminazy.20Dra raha izy bo nieritseritsy mahakasiky reo raha reo igny, dra niseho taminazy tamy nofy gny azelign'i Topo, manao ho:''Josefa, zanadahin'i Davida, ka matahosy gny hangalaky an'i Maria ho valinao, satria gny ray ze notorotoro ao agnatiny dra gny Fagnahy Masy gny nampitoesy anazy. 21Hiteraky zaza lahy izy, dra ianao hitoka gny agnarany ho Jesosy, fa izy gny hamozy gny olony hiala amy fahotan'ereo.''22Izay iaby zay dra niseho ba hahatateraky ze nambarany Topo tamy alalagny mpaminany, manao ho:23''Indro, gny viriziny ho bevoka ka hiteraky zanadahy, dra izy reo hitoka gny agnarany ho Imanoela'' zay midika ho: ''Amisika Zagnahary.''24Nifoha tamy torimasony Josefa dra nanao arak'izay nandidiagny azeliny gny Topo anazy dra nangalaky anazy ho valiny.25Saiky sy niray taminazy izy mandram-piterany zazalahy. Dra nitokaviny ho Jesosy gny Agnarany.
Chapter 2

1Tafarany nahaterahan'i Jesosy tao Betleheman'i Jodia tamy andron'i Heroda pazaka, dra avy tao Jerosalema reo lelahy manam-pahalala laha tagny atsignana nizaka ho: 2''Eza Izy zay niteraky ho pazaka gny Jiosy? Nahita gny kitany laha tegny atsignana izahay dra avy ba hidera anazy.''3Fa gny nahare anizay i Heroda pazaka, dra nampatahosy izy , vo i Jerosalema manotolo niaraky taminazy.4Nandesin'i Heroda niaraky gny lohagny pisoro iaby vo gny panora-dalana gny olo, dra nagnontany anazy ereo ho: ''Eza gny hahaterahan'i Kristy? ''5Nizaka taminazy ereo ho: ''Ao Betleheman'i Jodia, fa izao gny voasorasy gny paminany ho:6'Fa ianao, Betlehema, agny amy taniny Joda, dra sy masaiky indrandra amin'ereo pinday an'i Joda, fa laha taminao gny hahaviany pazaka zay hiamby gny oloko Israely.''7Dra nitoka mangingiky reo lelahy manam-pahalala i Heroda ba hagnontany anazy reo mazava soa gny fotoa nipoirany gny vasia. 8Nalefany tagny Betlehema ereo , manao ho: ''Mandehana dra fotory soa gny amy zaza. Fa gny hitandrareo izy, dra zakao zaho, ba afahako magnagny avo koa dra hidera anazy .''9Tafany naharezan'ereo gny pazaka, dra nandeha tamy lalany ereo, dra gny vasia zay hitan'ereo tegny asignana gny nialoha anazy reo mandra-pizanony teo agn'abo gny toera nisy gny zaza. 10Fa gny nahita gny vasia ereo , dra nifaly tamim-pifaliam-be.11Nilisy tao amy tragno ereo dra nahita gny zaza niaraky tamin'i Maria reniny. Nandohaliky vo nidera anazy ereo. Nanokasy gny fisia-kareny ereo dra nanolosy fagnomeza volamena, liti-kazo magnitsy, dra miora ho anazy. 12Nampitandry anazy reo tamy nofy Zagnahary ba sy hiharegnany agny amin'i Heroda, ka lala hafa gny nandehan'ereo namozy gny fireneny aby.13Fa gny nandeha izy reo ,dra nisy azelin'i Topo niboaky tamin'i Josefa tamy alala gny nofy dra nizaka ho: ''Miaregna andeso gny zaza vo gny reniny, dra mandosira agny Egypta. Mipetrara agny mandra-pizakako aminao,fa i Heroda dra mitalia gny zaza ba hamonoa anazy.''14Gny hariva igny Josefa dra nifoha dra ninday gny zaza vo gny reniny dra nagnagny Egypta. Nipetraky tagny izy mandra-pahafatin'i Heroda.15Dra nagnatateraky ze nizakan'i Topo tamy alalagny paminany ho: ''Nitokaviko hiala tagny Egypta gny zanako.''16Laha teo Heroda, fa gny nahita fa voafitak'ereo lelahy manam-pahafatany , dra hory fatrasy. Nagniraky vo napamono gny zazalahy iaby ro tao gny mizoso ze tao Betlehema vo tao amin'igny farisy iaby igny , araky gny fotoa ze niboahany mazava tamin'ereo lelahy manam-pahaiza.17Laha teo dra tateraky gny zaka ze nizaka tamigny alalan'i Jeremia paminany ho: 18''Nisy feo re tao Rama, fitomagnia vo fandalam-be , mitomagny noho gny amy zanan'i Rahely, dra sy nagneky gny ho ampegneny izy, satria fa fanandeha ereo.''19Gny fa nimaty i Heroda, indro, nisy azelin'i Topo niboaky tamin'i Josefa tagny Egypta tamy nofy dra nizaka ho: 20''Mifohaza dra andeso gny zaza vo gny reniny dra mandehana agny amy tanin'Israely, fa maty reo ze nifofo gny ay gny zaza.''21Nifoha Josefa, nandesiny gny zaza vo gny reniny, dra nandeha tagny amy tanin'Israely.22Gny fa nahare i Arkelaosy gny nazaka tagny Jodia nandimby an'i Heroda rany, dra natahosy gny ho agny izy. Tafarany napitandreman'Agnahary anazy tamy nofy, dra niala nagnagny amy faris'i Galilia izy 23Dra nandeha dra nitoesy tao amy tana tokavy ho Nazareta. Zay dra nahatateraky ze voazaka tamy alalan'ereo paminany ho: ''Nazareta gny nitokava anazy.''
Chapter 3

1Tamin'izay andro zay dra nandeha nitory tagny agn'efis'i Jodia i Jaona panao Batisa manao ho:2''Mibebaha, fa mariny gny fazaka gny lagnisy.''3Fa izy gny nizakan'Isaia paminany, manao ho:''Misy feo raiky mitoka fatrasy agny agn'efisy ho:' Amboaro gny lala gny Topo, ahisio gny lalany.'''4Dra Jaona niakazo volon-drameva vo nanao fehitroky holisy tamy valahany. Valala vo tately remby gny nataony fihinana. 5Dra Jerosalema , Jodia manotolo, vo gny farisy aby magnodidy gny reniranon'i Jordana dra nagnato anazy. 6Nataony batisa tegny amy reniranon'i Jordana ereo, fa gny nagneky gny fahotany.7Fa gny nahita reo Fariseo vo Sadoseo maro nagnato anazy ba ho atao batisa izy, dra hoy izy tamin'ereo ho: ''Ry taranaky menarana feno poizy, iza gny napitandry andrareo hilomay gny fahoria ze ho avy? 8Mamoaza tegnany miendriky gny fibebaha. 9Dra ka misay gny hizaka anakam-po ho: 'Mana an'i Abrahama ho ranay izahay.'Fa zakako amindrareo fa Zagnahary dra mahavita mananga zanaky ho an'i Abrahama dre dra laha tamy tahoky vato tahoky avo.10Gny fa napetraky eo am- potosy gny hazo gny famaky. Koa reo hazo iaby ze sy mamoa soa dra ho tapahy dra hatoraky agny agnaty afo.11Manao batisa andrareo amy rano ho amy fibebaha zaho. Fa mahery noho zaho izy zay avy afarako,dra zaho dra sy mendriky avo na dra gny hinday gny kapany avo. Hanao batisa andrareo amy Fagnahy masy vo gny afo Izy. 12Fa egny an-tagnany gny fikororohany ba hagnaliova gny famoloany dra hamory gny variny agny amy sihim-bary. Fa izy dra hagnoro reo lila amy afo ze sy mety maty.''13Avy eo Jesosy laha tagny Galilia dra avy teo amy reniranon'i Jordana ba ho ataoan'i Jaona batisa. 14Nefa i Jaona dra niezaky nanaka anazy , manao ho: ''Izaho gny mila ataonao batisa, nefa anao draiky seky gny magnato anahy? ''15Jesosy namaly dra nizaka taminazy ho: ''Ekeo zay amizao, fa izao gny mety amisika hahatateraky gny fahamarigna iaby.'' Laha teo Jaona nagneky anazy.16Nogny vita batisa Izy, dra niboaky gny rano avy hatra Jesosy, dra indro, nisokaky taminazy gny lagnisy. Hitany gny fagnahin'Agnahary nizoso manahaky gny voromailala dra nagneo agn'abony. 17Dra indro, nisy feo laha tagny an-dagnisy nanao ho:''Itiho gny zanako malalako. zay sitrako indrindra.''
Chapter 4

1Laha teoi Jesosy nitarihiny gny Fagnahy ho agny agn'efisy ba halany devoly fanahy. 2Fa gny niavy nifaly hany efapolo andro vo efapolo hariva izy, dra resy . 3nagnato gny pangalaky fagnahy dra nizaka taminazy ho: ''Raha Zanak'Agnahary Ianao , dra zakao hazary mofo tahoky vato tahoky.''4Fa Jesosy namaly dra nanao taminazy ho: ''Voasorasy ho:'Sy gny mofo avo gny hiveloma gny olo fa ze zaka aloaky gny vavan' Agnahary.''5Laha teo gny devoly ninday anazy tagny amy tana masy dra nametraky anazy teo amy faratapo gny tepoly, 6dra nizaka taminazy ho:''Raha Zanak'Agnahary anao, dra milasaha agny ambany agny, fa voasorasy ho:' Izy handidy reo azeliny hiaro anao' vo 'hanandrasy anao eo amy tagnan'ereo, dra sy ho tafotohy amy vato gny tombonao.'''7Jesosy nizaka taminazy ho:''Dra bo voasorasy draiky ho: 'Sy tokony hisapa gny Topo Zagnaharinao ianao.'''8Nandesiny gny devoly hagnagny amy toera abo draiky Izy dra napiseho anazy gny fazaka iaby amin'izao totolo izao vo gny hasoan'ireo.9Ho izy taminazy ho:''Io iaby io dra homeko anao, raha magneky handohaliky eto agnatrehako vo midera anahy anao.''10Laha teo Jesosy nizaka taminazy ho:''Miala eto anao , ry Satana! Fa voasorasy ho:' Ianao dra hidera gny Topo Zagnaharinao, dra izy raiky avo gny ho toponao.'''
12Dra nogny ren'i Jesosy fa voasambosy Jaona, dra nihery nagnagny Galilia izy. 13Nagnenga an'i Nazareta izy dra nandeha nipetraky tao Kapernaomy, zay eo andafin-dranomasin'i Galilia, ao amy zara-tanin'i Zebolona vo Naftaly.14Zay gny niseho ba hahatateraky ze nizakan'Isaia paminany ho:15'' Gny tanin'i Zebolona vo gny tanin'i Naftaly , nangnagny amy ranomasy, agny andafin'i Jordana, Galilia an'ereo zetilisa! 16Reo olo nipetraky tamy mezy dra nahita fahazava lahibe, dra reo ze nipetraky tamy farisy vo gny aloky gny fahafatesa, dra teo amin'ereo gny niposaha gny fahazava.''17Dra tamin'izay fotoa zay Jesosy dra nanomboky nitory teny vo nizaka ho:''Mibebaha, fa mariny gny fazaka gny lagnisy.''18Raha nandeha tegny amorony gny Ranomasin'i Galilia Izy, dra nahita pirahalahy ro, Simona zay nitokavy ho Petera, dra Andrea rahalahiny, nanoraky gny haratony tegny amy ranomasy, fa mpagnarato izy reo. 19Hoy Jesosy tamin'ereo ho:''Andeha, hagnaraky anahy, fa hataoko mpagnarato olo andrareo.''20Teo no eo avo dra niriosy reo harato ere dra nagnaraky anazy.21Dra raha bo nandroso JEsosy dra nahita mpirahalahy ro hafa, Jakoba zanak'i Zebedio, vo i Jaona rahalahiny. Nagnamboasy gny haratony tao asambo ereo niaraky tamin'i Zebedio ran'i ereo. Nitoka anazy reo Izy, 22dra teo no eo avo dra nagnenga gny sambokeliny vo gny rany ereo dra nagnaraky anazy.23Nandeha eran'i Galilia Jesosy, nampianasy tao amy Synagogan'ireo, nitory gny filazasara gny fazaka, dra nagnasitra reo karazan'arety aby bamigny rofy iaby teo amy olo. 24Niely eran'i Syria gny vaovao mahakasiky anazy, dra nandesiny olo teo aminazy reo ze marary iaby, marary gny karazan'arety vo fangirifiria, reo demonia, vo ze mariry androbe vo marary paralysisa. Nisitranin'i Jesosy iaby zao. 25Vahoaky maro laha tagny Galilia, Dekapolisy, Jerosalema, Jodia dra gny laha tagny an-dafin'i Jordana gny nagnarakay anazy.
Chapter 5

1Fa gny nahita reo vahoaky JEsosy , dra niakasy teo ambohisy. Fa gny tafapetraky Izy, dra nagnato anazy reo pianany. 2Nanokasy gny vavany Izy dra nampianasy anazy reo, manao ho: 3''Sambasy gny mahatra am-pagnahy, fa anazy reo gny fazaka gny lagnisy. 4Sambasy reo mandala . fa hampiono an'ereo.5Sambasy reo malemy fagnahy , fa ereo gny handova gny tany.6Sambasy reo ze resy vo magetaheta gny fahamarigna, fa ho vokisa ereo. 7Sambasy reo mpamindra fo, fa hahazo famindram-po ereo.8Sambasy reo malio am-po, fa hahita agn'Agnahary reo.9Sambasy reo mpampihava, fa reo gny tokavy ho Zanak'Agnahary.10Sambasy reo ze ezehy noho gny fahamarigna, fa anazy reo gny fazaka gny lagnisy.11Sambasy andrareo raha magnirasira andrareo vo magneziky andrareo gny olo, dra mizaka gny karaza vandy rasy iaby hanohisy andrareo noho gny aminahy.12Mifalia vo miravoravoa, fa lahibe gny valisoandrareo agny an-dagnisy. Fa lahibe zay gny fomba magnezeha gny olo reo paminany ze niaigna talohandrareo.13andrareo gnmy sira gny tany. Fa raha gny sira gny avy masaso, amy fomba akory gny apamasy anizay draiky? Sy ho soa dra amy ino dre amy ino sasy zay fa haria vo ho hisahiny tombony gny olo sisa. 14Andrareo gny fahazavan'izao totolo zao. Gny tana miory eo amy havoa dra sy azo havony sasy.15Sy misy olo mandrehisy ziro dra mametraky ze agny ambany taty, fa eo amy fipetrara-ziro, dra magnazava gny iaby ao atragno zay. 16Ao hazava eo aloha gny olo manahaky anizay fomba zay gny fahazavandrareo ba ahitan'ereo gny asa soa ataondrareo dra ankalazany gny randrareo ze agny an-dagnisy.17Ka mieritseritsy ho avy handrava gny lala dra reo paminany zaho. Sy avy hanorotoro an'ereo Zaho, fa hagnatateraky anazy reo. 18Fa zakao mary amindrareo fa mandra-pahalevogny lagnisy vo gny tany, dra sy ho rava amy lala dre litera raiky vo tendro-sorasy raiky avo, mandra-pahatateraky gny raha iaby.19Noho zay dre iza dre iza mandika dre dra gny masaiky indrindra amin'ereo didy reo vo mampianasy gny hafa anao manahaky anizay dra ho tokavy ho masaiky indrindra ao amy fazakagny lagnisy. Fa dre iza dre iza magnao vo mampianasy reo dra ho tokavy ho lahibe ao amy fazaka gny lagnisy. 20Fa zakako amindrareo fa raha sy mihoasy noho gny agny panora-dalana vo gny fariseo gny fahamarignandrareo, dra sy hilisy ao amy fazaka gny lagnisy mihisy andrareo.21Fa rendrareo fa voazaka tamin'ereo fa ela ho: 'Ka mamono olo,'dre iza dre iza mamono olo dra ho helohina agny amy fisara.'22Fa zakako amindrareo fa zzay iaby hory amy rahalahiny dra mendriky gny ho hahy agny amy fisara; dre iza dre iza mizaka gny rahalahiny ho:'Ianao dra olo- fahatany! 'dra ho hahy agny amy fila-kevisy; dre iza dre iza mizaka ho:'Mola anao!'dre mendriky gny ho agny amy farihy mirehisy afo.23Noho zay raha manolosy gny fagnatisao eo amy alitara ianao dra saroanao teo fa mana alahelo aminao gny rahalahinao,24dra angao eo aloha gny alitara gny fagnatisinao, dra mandehana zory gny lalanao. Mihavana aloha amy rahalahinao, dra laha teo miharegna dra atolory gny fandainao.25Mihavagna malaky amy piampanga anao raha b0 miara-lia aminazy amy fisara anao, fandrao gny piampanga anao hanolosy anao amy pisara, dra gny pisara mety hanolosy anao amy manam-bonignahisy, dra hatao ao an-tragno mezy anao.26Zakako mary amindrareo, fa sy ho afaky miboaky ao mihisy anao mandra-pandohavavao gny vola fara gny keliky indrindra amy trosanao.27Fa rendrareo fa voazaka ho:'Ka mizangazanga.'28Kanefa zakako amindrareo fa ze magnety ampela iaby dra magniry anazy dre fa nizangazanga tao am-pony.29Raha manafitohy anao gny masonao ankavana, dra alao zay dra hario lavisy anao. Fa soa koa ho anao raha gny raiky amy vatanao gny tokony ho simba fa sy gny vatanao iaby gny haria agny amy helo.30Raha manafitohy anao gny tagnanao ankavanao, dra tapaho dra hario lavisy hiala aminao. Fa soa koa ho anao raha gny raiky amy vatanao gny tokony ho levo fa sy gny vatanao iaby gny hatoraky amy helo.31Dra fa voazaka avo koa ho : 'Dre iza dre iza misaraky amy valiny, dra ao izy hagnome anazy gny taratasy fisaraham-panambalia.'32Fa Izaho koa mizaka amindrareo fa zay aby misaraky amy valiny, afa-sy noho gny fizangazanga, dra mampizangazanga anazy. Dre iza dre iza manambaly anazy afarany fisarahany dra mizangazanga .33Rendrareo fa nizaka tamy razam-be ho:' Ka miania fianianana diso,fa andeso eo anatrehany Topo gy fiaignanao.'34Fa zaho koa mizaka amindrareo. ka miania amy raha iaby, dre amy lagnisy avo, fa seza fiandrian'Agnahary zay; 35dra amy tany, fa fipetrara-tombony zay; dre koa amy Jerosalema, fa tanan'i pazaka lahibe zay.36Ka miania amy lohanao, fa sy afaky magnafosy dra magnamety gny singam-polo raiky anao.37Fa ao gny zakanao ho, 'Eka, eka,'Haha, haha.'Zay mihoasy anizay dra avy amy gny rasy.38Rendrareo fa nizaka ho:'Maso sologny maso, dra nify sologny nify.' 39Fa Izaho koa mizaka amindrareo ho, ka manohisy ze rasy. Dre iza dre iza mamely gny takolakinao ankavana dra atolory anazy koa gny ilany.40Dra raha misy olo magniry gny hiaraky aminao ho agny amy fisara dra magnendaky gny akazonao, dra angao ho anazy avo koa gny lambanao.41Dra iza dre iza manery anao andeha kilometasy raiky, mandehana miaraky aminazy amy kilometasy ro.42Omeo ze mangataky aminao, dra ka manda dra iza dre iza magniry gny hindra aminao.43Fa rendrareo fa voazaka ho:'Sy maisy mitia gny piaram-belo amianao ianao dra malegna gny fahavalonao.'44Fa zakako amindrareo, tiavo gny fahavalondrareo dra mivavaha ho an'izay magnendriky andrareo, ( Fagnamariha: Gny dika-teny taloha soa indrindra dra mangalaky gny ho: ''''Misaora reo ze magnozo andrareo, manova gny soa amin'ereo ze malaiky andrareo.'''') 45ba ho avy zanaky gny randrareo ze agny an-dagnisy andrareo. Fa Izy dra mampiposaky gny masoandrony amy rasy vo gny soa, dra mampilasaky gny ora amy mary vo gny sy mary.46Fa raha reo ze tia drareo gny taliavindrare, ino gny valisoa azondrareo? Moa se dra gny pamory hetra avo sy ba manao manahaky anizay koa? 47Raha gny rahalahindrareo raiky avo gny arabandrareo, ino gny ba ataondrareo mihoasy gny hafa? Moa se dra gny zetilisa avo sy ba manao manahaky anizay koa? 48Noho zay dra sy maisy tateraky andrareo, manahaky gny fahatateraha gny Randrareo ze agny andagnisy.
Chapter 6

1Mitandrema ba sy hanao gny asany gny fahamarignandrareo eo anatrehagny olo andrareo ba ho itan'ereo, fa raha sy zay dra sy hahazo gny valisoa laha tamy Randrareo zay agny an-dagnisy.2Noho zay fa gny maneho fihatra andrareo, dra ka misioky trompotra misariky gny hafa manahaky gny ataony piasara velasihy agny amy synagoga vo egny amy lala, dra ba mety hahazo gny fideran'olo ereo. Zakako mary amindrareo, fa ereo dra fa nandray gny valisoany.3Fa gny maneho fihatra andrareo, ka atao fatasiny gny tagnandrareo havia ze atao gny tagnandrareo havana,4ka ba home mangingiky gny fagnomezandrareo. Laha teo gny Randrareo ze mahita amy mangingiky gny hamaly soa andrareo.5Fa gny mivavaky andrareo, ka manao manahaky gny mpihasaravelasihy, fa ereo tia mijoro vo mivavaky eo amy synagoga vo eo amoron-dala, ka ba mety ho itan'olo. Zakako mary amindrareo. fa ereo fa nandray gny valisoany.6Fa andrareo, fa gny mivavaky, milira ao amy efi-tragnondrareo. Hilio gny vatrangara, dra mivavaha amy Randrareo ze ao amy mangingina .Laha teo gny randrareo ze mahita ao amy mangingina gny hamaly soa andrareo. 7Fa gny mivavaky andrareo, ka manao0 zaka maro sy misy taliava anazy manahaky gny ataony zetilisa, gny amy fiheverany fa ho ren'ereo noho gny zaka maro ze ataony.8Noho zay, ka manao manahaky anazy reo, fa gny Randrareo dra fa mahafatasy reo raha ze taliavindrareo mialohany gny angatahindrareo aminazy. 9Noho zay mivavaha manahaky anizao ho:'Ranay ze agny an-dagnisy, ho hamasiny seky gny agnaranao. 10Ho avy ra gny fazanao hatao ra gny sitraponao etiho an-tany mitovy gny agny an-dagnisy.11Omeo anay amizao gny hany ze tandreify ho anay.12Mamela gny rasy atao nay , manahaky gny hamelanay ze hory taminay. 13Dra ka minday anay amy faka-pagnahy, fa magnafaha anay amy rasy.'''( Fagnamarina: Gny dika zaka taloha soa indrindra dra mangalaky gny ho: ''Fa Anao gny fazaka vo gny hery dra gny voninahisy mandrakizay. Amen.'')14Fa raha mamela gny hadisoan'olo andrareo, dra hamela andrareo avo koa gny Randrareo ze agny an-dagnisy.15Fa raha sy vmamela gny hadisoan'ereo andrareo, dra sy hamela gny hadisoandrareo mihisy gny Randrareo.16akoasy zay, fa gny mifaly hany andrareo, ka mampiseho endriky mampalahelo manahaky gny taony gny piasaravelasihy, fa magnarasy tarehy an'ereo dra ba mety ho itan'olo fa tena mifaly hany. Zakakomary amidrareo, fa nandray gny valisoa ereo.17Fa anao , fa gny mifaly hany, osory menaky gny lohanao dra sasao gny tarehinao,18dra ba sy ho itany gny hafa ho mifaly hany, fa amy Ranao ze ao amy mangingina avo; dra gny Ranao ze mahita ao amy amngingina, gny hamaly soa anao.19Ka magnaza gny hanagnandrareo etiho an-tany zay ho solany kalalao vo ho menaheriky, dra hiliran'ereo pangalasy an-keriny dra hangalasy .20Fa ahazao gny hanagnandrareo agny an-dagnisy, zay sy ho solany kalalao vo ho menaheriky, dra sy hiliran'ereo mpangalasy an-keriny dra hangalasy.21Fa ze misy gny hanagnanao , gny itoerany gny fonao avo koa.22Gny maso gny zirony gny vata. Noho zay, raha soa gny masonao, dra ho feno fahazava gny vata iaby.23Fa raha rasy gny masonao, dra ho feno hezy gny vatanao iaby. Noho zay, raha mezy gny fahazana ze ao agnatinao amin'izao, manao akory gny halahiben'izay hezy zay! 24Sy misy afaky hanompo topo ro, fa halaiky gny raiky izy dra hitia gny raiky, raha sy zay hanolom-bata ho agny raiky fta halaiky agn'Agnahary vo gny harena.25Noho zay zakao amindrareo , ka miahiahy mbomba gny aindrareo, ze hohanindrareo dre ze honomindrareo dra momba gny vatandrareo,zay hosikinandrareo. Fa sy lahibe noho gny sakafo se gny fiaigna, dra gny vata lahibe noho gny fitafia? 26Hatio reo voro egny amy lagnisy.Izy raiky dra sy mamafy dre miziza dre mamory ao asopisy, fa gny randrareo ze agny an-dagnisy gny mamaha anazy reo. Sy lafovily mihoasy anireo se andrareo?27Iza amindrareo gny afaky magnapy hakio raiky amy andro hiaignany amy fanahiana? 28Nanao akory andrareo gny miahiahy (matahosy) momba gny fisikinandrareo?Diniho gny momba gny lilia egny amy tanimboly, nanao akory gny fagnirian'ereo. Sy ba miasa ereo, dra sy mamoly fiakazoa. 29Zakako amindrareo, fa dre i Solomona dra amy voninahiny iaby dra sy nagnisy manahaky gny raiky amin'ereo.30Raha ampiunkazoan'Agnahary manahaky anizay gny ahita agny an-tanimboly, zay aby misy anio vo raha maray dra hatoraky ao amn-pata, mitovy nanao akory gny ampiankazoany andrareo avo, andrareo ry masaiky finoa?31Noho zay ka miahiahy dra mizaka ho:'Ino gny hohaninay?
32Fa reo zetilisa mitalia reo raha reo, dra gny Randrareo ze agny an-dagnisy dra mahafatsay fa mila an'ireo andrareo. 33Fa taliavo aloha gny fazakany vo gny fahamarignany dra home andrareo reo araha reo. 34Noho zay, ka miahiahy gny maray, fa gny maray hagnahy gny anazy. Apy ho agn'andro kirairaiky gny rasy ao aminazy.
Chapter 7

1Ka misara, dra sy hosara andrareo. 2Fa amy fisara nataondrareo, gny hisara andrareo, dra amy fandrefesa andrefesandrareo, gnby handrefesa andrareo.3Manao akory anao gny magnety gny singa-mololo masaiky ze ao agnatiny masony gny rahalahinao, nefa sy sikarisinao gny andry ao agnaty masonao? 4Nanao akory gny hizakanao gny rahalahinay ho: 'Angao zaho hangalaky gny sing-mololo ao agnatiny masonao,'raha bo ao agnatiny masonao gny halify? 5Ry piasaravelasihy! Alao aloha gny halify ze ao agnaty masonao, dra laha teo anao hahita soa fa gny mangalaky gny singa-mololo ze eo amy maso gny rahalahinao.6Ka ome gny aboa ze masy, dra ka hatoraky eo anoloany koso gny vatosoandrareo. Raha sy zay dra mety ho voahisany gny tombon'ereo, dra laha teo hifotisy vo hamiravira andrareo amy fahapotehany.7Mangataha, dra omeo andrareo zay. Mitaliava, dra hahita andrareo. Dodogny, fa hisokaky ho andrareo zay. 8Fa zay aby mangataky, dra mahazo;reo aby ze mitalia, dra mahits; dra ho agny olo mandondo, dra ho sokafy. 9Sa iza amindrareo, raha angataha gny zanany mofo, gny hanolosy vato ho anazy? 10Dre koa raha nangatahiny trondro, dra hanolosy raharaha anazy?11Noho zay, raha andrareo ze rasy avo mahay magnome reo fagnomeza ze soa ho agny zanakindrareo, moa sy lahibe mihoasy se gny raha soa omeny Randrareo ze agny an-dagnisy ho an'ereo ze mangataky aminazy?12Noho zay, dre ino dre ino raha tiandrareo ho ataony gny olo amy vatandrareo, dra tokony hanao manahaky anizay amin'ereo avo koa andrareo, fa zay gny lala vo reo paminany.13Milira amy fefy tery. Fa lahibe gny fefy dra malalaky gny lala minday agny amy fahavereza, dra maro reo olo ze mandeha amin'izay.14Fa tery gny fefy dra sarosy gny lala ze mitariky magnagny amy fiaigna, dra keliky reo ze mahita anizay.15Mitandrema amin'ireo paminany sandoky, zay magnato andrareo amy fiakazoan'ondry nefa amboa tena pihaza.16Amy alalany gny tegnany gny hahafatarandrareo anazy reo. Mamboly voloboky egny amy silo seky gny olo, dre koa aviavy egny amy songosongo? 17Mitovy amin'izay, gny hazo soa iaby dra mamokasy tegnany soa, fa gny hazo rasy dra mamokasy tegnany rasy.18Gny hazo soa dra sy afaky gny hamokasy tegnany rasy, dre gny hazo rasy koa sy afaky mamokasy tegnany soa.19Gny hazo iaby ze sy mamokasy tegnany soa dra ho tapahy dra hatoraky agny agnatiny afo.20Dra noho zay, ho fatandrareo reo amy alalany gny tegnany.21Sy reo aby zay mizaka aminahy ho:'Topo, Topo,'dra hilisy gny fazakany gny lagnisy, fa reo ze manao gny sitrapony Rako ze agny an-dagnisy avo.22Maro reo olo hizaka aminahy amin'izay andro zay ho:'Topo, Topo,sy fa naminany tamy agnaranao se zahay, sy fa namoaky reo demonia tamy agnaranao, dra nanao reo asa lahibe tamy agnaranao?' 23Laha teo Zaho hagnambara amin'ereo apahibemaso ho:'Sy nahafatasy andrareo mihisy Zaho!'Miala lavisy anahy, ry panao rasy!'24Noho zay, reo aby ze mahare gny zakako dra makato anizay dra hitovy gny olo hendry ze nagnory gny tragnony egny agn'abony vatolapy.25Lasaky ora, avy gny tondra-drano, dra nifofofofo vo nandrbaky gny tragno gny sioky, fa sy nilavo zay, satria nahory teo agn'abony vatolapy.26Fa ze mahare gny zakako dra sy makato anazy reo dra manahaky gny olo mola ze magnory gny tragnony egny agn'abony fasiky. 27Nilasaky gny ora, avy gny tondra-drano, dra nifofofofo vo namely gny tragno gny sioky, dra lavo zay, dra feno gny faharavany.''28Dra gny fa avy nagnambara reo zaka reo Jesosy, talazo tamy gny fampianarany reo vahoaky, 29satria nampianasy anazy reo manahaky gny olo ze mana fahefa Izy, fa sy manahaky reo panora-dalan'ereo.
Chapter 8

1Fa gny nilisy laha tegny an-tendrombohisy Jesosy, dra vahoaky maro gny nagnaraky anazy.2Indro, nisy boka raiky nagnato anazy dra nandaly teo anoloany, nanao ho:''Topo, raha sitrakao, dra afaky magnalio anahy Ianao.''3Nagnisy gny tagnany Jesosy dra nihasyu anazy, nanao ho:''Sitrako.Mahaliova.''Teo no ho eo dra nalio tamy fahabokany izy.4Hoy Jesosy taminazy ho:''Ao ba sy hizaka dre ino dre ino na amin'iza na amin'iza anao. Mandehana amy lalanao, dra asehoy amy pisoro gny vatanao dra atolory gny fagnatisy ze nididian'i Mosesy, ba ho fizoroa vavolombelo amin'ireo.''5Fa gny nilisy tao Kapernaomy Jesosy, dra nagnato anazy gny Kapiteny raiky dra nagnotany anazy,6nanao ho:''Topo,mandry ao an-tragno gny panopoko fa malemy dra ao agnatigny faharariam-be.''7Hoy Jesosy taminazy ho:''Ho avy Zaho dra hagnasita anazy.8Namaly gny kapiteny dra nanao ho:''Topom sy mendriky zaho gny tokony hiliranao ao ambany tafo-tragnoko, zakao avo gny zaka dra ho sitrany gny panompoko.9Fa zaho avo koa dra lelahy ze napetraky ao ambany fahefa,dra mana miaramila ze feheziko zaho. Mizaka amy raiky zaho ho:'Mandehana,'dra mandeha izy, dra amy hafa raiky ho:'Avia,dra magnato izy, dra amy panopoko ho:''Atovy zao,'dra ataony zay.''10Fa gny ren'i Jesosy zay,dra lasa (gaga) Izy dra nizaka tamin'ereo ze nagnaraky anazy ho:''Zakako mary amindrareo, fa sy bo nahita olo nanam-pinoa manahaky anizay zaho teto Israely.11Zakako amindrareo, fa maro gny laha tagny asignana vo laha tagny andrefa gny ho avy, dra ereo dra hipetraky eo an-databasy miaraky amin'i Abrahama, Isaka dra Jakoba, agny amy fazakany gny lagnisy.12Fa reo zanaky gny fazaka dra hatoeaky agny ambaliky gny mezy lavisy agny, ze hisy fitomagnia vo fikitroha-nify.''13Hoy Jesosy taminigny kapeteny ho:''Mandehana! Araky gny ninoanao, dra ao zay ho atao ho anao.''Dra sitrany tamin'izay lera zay mihisy gny panopo.14Fa gny nilisy tao an-tragnon'i Petera Jesosy, dra nahita gny rafozam-bavin'i Petera nandry narary gny tazo Izy. 15Niharan'i Jesosy gny tagnany, dra niala taminazy gny tazo. Dra nisanga izy dra nanomboky nandroso sakafo anazy.16Fa gny avy gny hariva, dra maro reo nifehezy gny devoly nandesin'olo teo amin'i Jesosy. Nandroaky reo fagnahy taminy tegny Izy dra nagnasitra an'ireo iaby ze narary.17Manahaky anizay gny nahatateraky ze nambara tamin'Isaia paminany, nanao ho:''Izy vatany nangalaky gny faharariasika vo ninday reo aretisika.''18Dra gny fa hitan'i Jesosy reo vahoaky napalipalisy anazy, dra nagnome toromariky ba hiala ho egny andafiny ranomasy Galilia Izy.19Laha teo gny panoran-dala raiky nagnato anazy dra nanao ho:'' Ry mpampianasy, hagnaraky anao zaho dre eza dre eza handehanano.''20Hoy jesosy taminazy ho:''Gny amboahaolo manan-davaky,dra reo voro gny lagnisy mana akany. fa gny Zanak'olo sy mana dre eza dre eza ampandria gny lohany.''21Raiky hafa tamin'ireo mpianasy nizaka taminazy ho:''Topo, angao zaho andeha aloha dra andevy gny rako.''22Fa hoy Jesosy taminazy ho:''Magnaraha Anahy, dra angao gny maty andevy gny maty ao aminazy manoka.''23Fa gny nilisy tao amy sambokely raiky Jesosy, dra nagnaraky Anazy tao agnatin'ireo mpianany.24Indro, nisy tafio-drivosy mahery niseo teo amy ranomasy. dra rakoky gny morony gny sambo.Fa tafandry Jesosy.25Nangneo aminazy reo mpianasy dra namoha anazy, nanao ho:''Vozeo isika, Topo; ho maty isika!''26Hoy Jesosy tamin'ereo ho:''Nanao akory andrareo gny matahosy, ry masaiky finoa?''Dra nisanga Izy laha teo dra nizaka fatrasy gny sioky vo gny ranomasy. Dra nisy fizanogna laha teo.27Latsa (gaga) reo lelahy dra nizaka ho:''Fa karaza lelahy ino tiho, fa dre dra gny sioky vo gny ranomasy aza magneky anazy ?''28Fa gny avy tegny andafiny vo teo amy tanan'i Gadarenesa Jesosy, dra nisy lelahy ro zay nifeheny devoly nifakato taminazy. Izy reo dra niboaky laha tagny amin'ireo lolo dra tena nahery setra, noho zay dra sy nisy mpandeha afaky niriosy gny lala zay. 29Indro, nikoraky fatrasy ereo dra nanao ho:''Moa mpifagnino seky izahay vo ianao, ry Zanak'Agnahary? Avy eto se ianao hampatahosy anay mialoha gny fotoa voatondro?''30Dra nisy andi-koso maro nihina teo, sy dra lavisy anazy reo.31Bo niangavy an'i Jesosy avo reo devoly dra nanao ho: ''Raha mandroaky anay Ianao, dra alefao ao agnatin'ereo andi-koso reo zahay.''32Hoy Jesosy tamin'ereo ho: ''Mandehana !''Dra niboaky reo devoly dra nangao amin'ireo koso; dra indro,reo andiany aby nenga nizoso gny vohisy mideza nagnagny an-dranomasy dra maty tao agnaty rano ereo.33Reo ze nikarakara reo koso dra nilomalomay dra nagnagny amy tana nereo dra nitao gny raha aby, dra indrindra zay nisanga tamin'ereo lelahy zay nifehen'ereo devoly.34Indro, niboaky reo tao an-tana iaby ba hifakahita amin'i Jesosy. Fa gny hitan'ereo Izy , dra nangataky anazy ba hagnenga gny faritanin'ereo.
Chapter 9

1Nilisy tao an-sambo Jesosy, nisaky, dra avy tao amy tanany. 2Indro, nisy lelahy marary gny paralysisa nandry teo am-pandria nandesin'ereo teo aminazy. fa gny nahita gny finoan'ereo , dra hoy Jesosy taminy lelahy marary gny paralysisa ho:''Anaka, ao ianao hifaly. Fa voavela gny helokan.''3Indro, gny sasany tamin'ireo panora-dalana nanao ampo ho: ''Mizaka rasy io lelahy io.''4Fatasin'i Jesosy gny eritserin'ereo dra nizaka ho:''Nanao akory ndrareo gny mieritseri-drasy ao am-pondrareo? 5Fa iza gny moramora gny mizaka anazy ho:'Voavela gny helokao,'sa gny mizaka ho:'misangana dra mandehana?'6Fa ba ho fatandrareo fa gny zanah'olo dra mana fahefa hamela heloky eto agn'abony paraliysisa ho:''Misangana, hozony gny fandrianao dra mandehana agny an-tragnonao.''7Laha teo nisanga gny lelahy dra nagnagny an-tragnony.8Fa gny nahita anizay gny vaohakyu, dra gaga ereo dra nidera an'Agnahary, zay nagnome fahefana mitovy anizay ho agn'olo.9Dra raha niala laha teo Jesosy, dra nahita lelahy nitokavy ho Matio Izy, zay nipetraky teo amy lainy famoria-ketra. Ho Izy taminazy ho:''magnaraha anahy.''Nisanga iay dra nagnaraky Anazy.10Dra raha nipetraky hihina tao an-tragno Jesosy, indro, pamory hetra vo olo mpanota maro avy dra niaranihina tamin'i Jesosy vo reo mpianany. 11Fa gny nahita anizay reo fariseo, dra nizaka tamin'ireo mpianany reo ho:''Nanao akory gny mmpimpianasindrareo gny miara-mihina amy olo mijaly (mpamory hetra) vo gny olo mpanota?''12Gny fa nahare anizay Jesosy , dra ho Izy ho:''Gny olo matazaky ara-bata dra sy mila mpisabo, fa reo ze marary avo. 13Tokony mandeha mianasy andrareo gny dikany ho: 'famindram-po gny iriko fa sy soro.'Fa avy zaho, sy hitoka reo mary hibebaky , fa reo mpanota.''14Laha teo nagnato anazy reo mpianasin'i Jaona dra nizaka ho; ''Manao akory zahay vo reo fariseo gny mifaly hany matetiky, fa reo mpianaso koa sy ba mifaly?''15Hoy Jesosy tamin'ereo ho:''Mety alahelo se reo havany mpangalaky ,raha bo miaraky eo amin'ireo gny mpangalaky? Fa ho avy gny andro hangala gny mpangalaky eo amin'ereo dra amin'izay ereo vao hifaly hany.16Sy misy olo manampy akazo rota amy tapa-damba vaovao, fa gny tampy handrota gny lamba, dra hisy triasy rasy lavisy.17Sy misy olo magnisy divay vaovao ao agnatiny siny holisy rota. Raha manao anizay ereo, dra ho triasy gny siny holisy, ho raraky gny divay dra ho vaky gny siny holisy. Fa magnisy divay vaovao ao agnaty siny holisy vaovao ereo, dra voaza izy ro.''18Raha bo nizaka reo raha reo tamin'ereo Jesosy , dra indro, nisy manam-pahefana raiky avy dra nandohaliky teo aminazy. Mizaka izy ho: ''Maty amizao gny zanakapelako, fa avia dra apetraho eo aminazy gny tagnanao, dra ho velo izy.''19Laha teo nisanga Jesosy dra nagnaraky anazy, dra nanao manahaky anizay koa reo mpianany.20Indro, nisy ampela zay fa nandeha lio nandrisy gny ro ambiny folo tao, nagnao afaran'i Jesosy dra nikasiky gny moron'akazony.21Fa hoy izy tamy vatany ho:''Raha mahavoakasiky gny lambany avo zaho, dra ho sitrany.''22Fa nitoliky Jesosy dra nahita anazy, dra nizaka ho:''Ry zanakapela, mahereza;gny finoanao gny nahasitrany anao.''Dra sitrany gny ampela nanomboky tamin'io lera io.23Gny fa avy tagny amy tragnony gny manam-pahefa Jesosy, dra nahita reo mpisioky sodina vo reo vahoaky nareviky Izy.24Dra hoy Izy ho:''Mandehana, fa sy maty gny zazapela fa mandry izy.''Fa nihomehy anazy tamy fandasa ereo.25Gny fa naboaky tagny ambaliky gny vahoaky, dra nilisy tao agn'efisy Izy dra nandray anazy tamy tagnany, dra nisanga gny zaza ampela.26Niely nanera gny farisy aby gny vaovao mbomba anizay.27Dra raha niala teo Jesosy, dra nisy poaky ro lahy nagnaraky anazy. Sy nizano nitoka ereo sady nizaka ho:''Mamindra fo aminay, ry zanak'i Davida!'' 28Gny fa avy tao an-tragno Jesosy, dra nagnato tamin'ireo ho:''Mino se andrareo fa mahay manao anizay Zaho?''Dra hoy ereo taminazy ho:''Eka, Topo.''29Laha teo nikasihin'i Jesosy gny mason'ereo dra nizaka ho:''Ho tateraky amindrareo araky gny finoandrareo anie zay,''30dra nahirasy gny mason'ereo. Laha teo Jesosy nandidy fatrasy anazy reo dra nizaka ho:''Ao ba sy hisy olo ahafatasy momba anizao.''31Fa nandeha reo ro lahy dra nampiely gny vaovao momba anizay nagnera gny farisy .32Dra raha nandeha reo ro lahy, dra indro, nisy lelahy moana nipetrarany devoly nandesy teo amin'i Jesosy.33Dra gny fa vaboaky gny devoly, dra nizaka gny lelahy moana. latsa gny vahoaky dra nizaka ho:'Sy bo fahita hatrizay tamin'Israely zao!''34Fa hoy reo fariseo ho:''Tamigny fanapahan'ireo devoly gny namoahany reo devoly.''35Nandeha nizaka reo tanan-dehibe vo reo vohisy iaby Jesosy. Nanohy nampianasy tagny amin'ireo synagogan'ereo Izy, nitory gny filazasara gny fazaka, dra nagnasitrany reo karazan'arety aby vo reo karaza fahararia iaby.36Gny fa nahita reo vahoaky Izy, dra nana fangoraham-po tamin'ereo,satria niahiahy vo kivy ereo. Manahaky gny agn'ondry sy misy mpiamby reo.37Dra hoy izy tamin'ereo mpianany ho:''Maro gny vokasy , fa reo piasa gny keliky.38Noho zay mivavaha malaky amy Topo gny vokasy, ba andesany piasa egny amy vokasiny.''
Chapter 10

1Nitokavin'i Jesosy niaraky reo pianany ro ambiny folo dra nagnome anazy reo fahefa amin'ireo fagnahy maloto, ba handroaha anazy reo, vo hagnasitrana reo karazan'arety vo karaza fahararia iaby.2Dra tahoky aby gny agnaran'ireo apostoly ro ambiny folo. Gny volohany, simona ( zay tokavy avo koa ho: Petera). dra Andreo rahalahiny; jakoba zanadahin'i Zebede, vo i Jaona rahalahiny;3Filipo, vo i Barteleomy; Tomasy, vo i Matio gny mpamoro hetra; Jakoba zanadahin'i alfeosy,dra Tadeosy;4Simona gny Zelota,dra Jodasy Iskariota, gny hamaliky anazy.5Nirahin'i Jesosy izy ro ambiny folo.Nanoro anazy reo Izy dra nizaka ho:''Ka mandeha agny amy toera ze hitoera gny zetilisa andrareo, dra ka milisy amy renivohin'ereo Samaritana.6Fa mandehana koa agny amin'ereo agn'ondry levo amy taranak'Israely; 7dra gny fa mandeha andrareo,dra mitoria dra ambarao ho:'Fa mariny gny fahaviany Fazahanigny lagnisy.'8Sitrano gny marary, asangano gny maty liovy reo boka, dra roaho reo devoly. Araky gny nahazoandrareo maimaimpoa, dra magnomeza avo koa maimaimpoa.9Ka mandesa volamena, volafosy, dre varahina ao amy kitapom-bolandrareo.10Ka mandesa kitapom-basy amin'izay andehanandrareo, dre akazo hafa, dre kiraro,dre tehy, fa gny mpiasa dra mendriky hahazo gny sakafony.11Dre ino dre ino tana-lahibe dre tana masaiky hilindrareo, taliavo ze mendriky ao, dra mitoera ao mandra-pialandrareo. 12Raha vao milisy ao amy tragno andrareo, dra miarahaba gny ao. Raha mendriky gny tragno, dra ao gny fiadanandrareo ho avy ao.13Fa raha sy mendriky koa zay, dra ao gny fiadanandrareo hihery amindrareo.14Ho an'ereo ze sy mandray andrareo dre sy miteno gny zakandrareo, dra ahisagno gny botany amy tombondrareo, gny fa miala amin'izay tragno dre tanan-lahibe zay andrareo.15Zakako mary amindrareo, fa ho moramora koa gny agny tanin'i Sodoma vo Gomora amy andro fisara noho zay tana-lahibe zay.16Indro, handefa andrareo manahaky gny agn'ondry eo agnevo gny amboa zaho, koa mihendrea tahaky gny menarana dra sy manasigny tahaky gny voromailala.17Mitandrema gny amy olo! Hanolosy andrareo eo amy fila-kevisy ereo, dra hazera andrareo ao amy sinagogan'ireo. 18Laha teo dra andesy manoloa gny governora vo gny pazaka andrareo noho gny Aminahy, ba ho vavolombelo ho anazy reo vo ho an'ereo zetilisa.19Gny fa manolosy andrareo ereo, dra ka mana ahiahy gny amy ho dre ino gny ho zakandrareo, fa home andrareo amun'io lera io ze tokony ho zaka.20Fa sy andrareo gny hizaka , fa gny Fagnahiny gny Randrareo gny hizaka ao amindrareo.21Gny rahalahy dra hanolosy gny rahalahy ho amy fahafatesa, dra gny ray dra gny zanany. Gny zanaky dra hisanga hanohisy gny ray mandren-dreniny ka hahavy gny fahafatesan'ereo. 22Ho halagn'oloiaby andrareo noho gny amy agnarako.Fa dre iza dre iza miharisy hatramigny farany,dra ho voavozy zay olo zay.23Gny fa magneziky andrareo ao amin'io tanalahibe io ereo,dra milomesa agny amy magnaraky,fa zakako mary amindrareo, fa st hahatapisy reo tanan'Israely mialoha gny hiavian'i Zanak'olo iandrareo.24Gny mpianasy dra sy lahibe noho gny mpampianasy,dre gny mpanopo ho agn'abony noho gny topony.25Apy ho agny mpianasy raha avy gny mpampianasy izy,dra gny mpanompo mitovy gny zeboba gny topogny tragno, dra ho rasy lavisy manahaky gny akory reo agnara hitokavan'ireo gny isam-piakohoana!26Noho zay ka matahosy anazy reo, fa sy hisy tako sy hiseho,dra raha-mivony zay sy ho fatasy.27Zay zakako andrareo ao amy hezy,dra zakao amy andro mazava,dra ze bisibisisika rendrareo amy sofindareo,dra torio egny agn'abony tafin-tragno.28Ka matahosy an'ereo ze mamono gny vata kanefa sy afaky mamono gny fagnahy.Fa matahora an'izayagny amy helo.29Moa se sy vola madiniky gny hamarota foly ro? Fa sy bo misy dra raiky amin'ereo ho nilavo amy tany raha sy misy gny fahalalagny Randrareo.30Fa dre gny volon-dohandrareo aza voaisaky avo koa.31Ka matahosy . Manan-daza avo gny foly maro andrareo.32Noho zay aby magneky anahy eo anatreha gny olo,dra ho ekeko avo koa eo anatrahany Rako zay agny an-dagnisy.33Fa zay manda Anahy eo anatrehany gny olo koa,dra handagnako avo koa eo anatrehany gny Rako ze agny an-dagnisy.34Ka mieritseritsy fa izaho dra avy handay fiandagna eto an-tany.Sy avy ba handay fiadana Zaho,fa sabasy.35Fa avy zaho hagnasaraky gny zanadahiny amy rany, vo gny zanakapelany amy reniny, dra gny vinatovavy amy rafozam-bavy.36Reo ze ao an-tokatragnony avo gny ho hazary fahavalony gny olo.37Zay tia gny rany dre gny reniny mihoasy Anahy dra sy mendriky Anahy; dra ze tia gny zanadahiny dre zanakapelany mihoasy anahy dra sy mendriky Anahy.38Ze sy manday gny hazofizaliany dra magnaraky anahy dra sy mendrky Anahy.39Ze mamozy gny gnainy dra hahalevo zay.Fa ze mahalevo gnainy noho gny aminahy dra hahita anizay.40Ze mandramby andrareo dra mandramby Anahy, dra ze mandramby Anahy dra mandramby gny nagniraky anahy avo koa.41Ze mandramby gny mpaminany satria mpaminany izy dra ze mandramby gny olo-mary satria olo-mary izy dra hahazo gny valisoa gny olo-mary.42Dre iza dre iza magnome gny raiky amin'ereo madiniky indrindra io,dre dra rano mangasiaky raiky finga ho hominy avo,satria izy mpianasy ,dra zakao mary amindrareo fa sy ho levo gny valisoany.''
Chapter 11

1Dra gny fa avy nampianasy reo mpianany ro ambiny folo Jesosy, dra niala laha teo Izy hampianasy vo hitory agny amy tanan'ereo.2Gny fa ren'i Jaona tao am-pigandra gny momba reo asan'i Kristy,dra nandefa hafasy tamy alalan'ireo mpianany izy 3dra nizaka anazy ho:''Anao se gny ra ze ho avy, sa tokony hitalia hafa zahay?''4Jesosy namaly dra nizaka anazy reo ho: ''Mandehana dra zakao amin'i Jaona zay hitandrareo vo rendrareo.''5Mahazo fahita reo poaky, mandeha reo olo malemy,liovy reo boka, mahare draiky reo olo maregny,asangako velo reo olo maty,dra agnambara reo vaovao mahafaly gny mizaly.6Sambasy ze sy fatitohy noho gny aminahy.''7Raha nandeha tegny amy lalany reo lelahy reo,dra nanomboky nizaka gny momban'i Jaona tamin'ereo vahoaky Jesosy ho:''Hagnety ino gny hiboahandrareo agny agn'efisy- volotara sofiny sioky?8Nefa hagnety ino gny niboahandrareo-lelahy manao akazo lafo? Indro,reo ze manao akazo lafo dra mipetraky ao an-tyragnon'ereo pazaka.9Nefa hagnety ino gny niboahandrareo mpaminany? Eka, mizaka amindrareo zaho,dra mihoasy lavisy n0oho gny mpaminany. 10Izy gny voasorasy ho:'Hatio, magniraky gny rako hialoha gny tarehindrareo Zaho, ze hagnoma gny lalandrareo mialoha andrareo.'11Zakako mary amindrareo, fa amin'ireo ze nateraky ampela dra sy misy lahibe mihoasy noho Jaona mpanao Batisa. Nefa gny olo sy manan-daza indrindra eo amy fazaka gny lagnisy dra lahibe noho izy.12Nanomboky tamy andron'i Jaona mpanao Batisa dra hatramin'izao, dra miarisy amy herisetra gny fazakany gny lagnisy,dra reo olo mahery setra dra mangalaky mandrava anazy.13Fa reo mpaminany aby vo gny lalana dra fa naminany hatramin'i Jaona;14dra raha sitrakindrareo gny haneky anizay,dra Izy gny Elia gny ho avy.15Zay mana sofy andesy hiteno,ao izy hiteno.16Amign'ino gny tokony hampitahako itiho taranaky itiho? Zay dra manahaky gny mota mihira egny amy tsena, zay mipetraky vo mifampitokatoka 17dra mizaka ho:'Nitsoka sodina ho andrareo zahay, fa sy nisizaky iandrareo. Nanao atsa fisaora zahay,fa sy nitomagny andrareo.'18Fa Jaona dra sy avy hihina mofo dre hino divay,dra ho izy reo ho:'Mana devoly izy.'19Gny zanak'olo dra avy hihina vo hino dra ho izy reo ho: 'Hatio,lelahy tia-hany vo mpimamo izy,naman'ereo mpamory hetra (mpangataky) vo reo mpanota!'Fa gny fahendre dra voamary tamin'ereo asany.''20Laha teo Jesosy nanomboky nizaka fatrasy reo tana ze nanovany gny akamaroany gny asany mahalatsa, satria sy nibebaky ereo.21''Loza ho andrareo,ry Korazina! Loza ho andrareo,ry Betsaida! Raha natao tagny Tyra vo Sidona reo asa mahalatsa ze natao teto amindrareo,dra fa ela gny nibebaky tamy lamba fandala vo lavenoky ereo.22Nefa ho moramora koa gny agny tyra vo Sidona amy androgny fisara mihoasy noho gny andrareo.23Andrareo, ry Kapernaomy, mihevisy se andrareo fa hasandrasy agny an-dagnisy? Haha, andesy hizoso agny amy helo andrareo. Satria raha tagny Sodoma gny natao reo asa mahalasa ze natao teto amindrareo,dra bo ho tavela zay mandrak'androany.24Nefa mizaka amindrareo Zaho fa ho mora koa agny tanin'i Sodoma gny androny fisara noho gny ho amindrareo.''25Tamin'izay fotoa zay Jesosy nizaka ho:'' Midera Anao Zaho,ry Ray,Topony gny lagnisy vo gny tany,satria Ianao gny nagnavony reo raha reo tamy hendry vo gny mahay,dra nagnambrara reo tamin'ereo ze sy mahay,manahaky reo mota madiniky.26Eka, ry Ray,satria zay dra nahafinarisy teo amasonao.27Gny raha iaby nahakiny taminahy dra laha tamy Rako;dra sy misy mahay gny zanaky afa-sy gny Ray dra sy misy mahay gny Ray afa-sy gny zanaky,vo ze filiny gny zanaky hagnambrara anazy.28Mandehana atiho aminahy, andrareo aby ze miasa vo minday mavesasy , dra omeko fisahara andrareo.29Andeso gny ziogako dra mianara aminahy,fa malemy fagnahy vo manendry tegna am-po Zaho,dra hahita fisahara ho an'ereo fanahindrareo andrareo.30Fa mora gny ziogako dra meva gny vatako.''
Chapter 12

1Tamin'izay fotoa zay Jesosy nandeha namakivaky gny tanimbary tamy gny andro Sabata.Resy reo mpianany dra nanomboky nioty salohim-bary dra nihina ereo.2Nefa noho gny hitan'ereo Farise zay,dra hoy ereo tamin'i Jesosy ho:''Hatio,reo mpianasinao manao ze sy ara-dalana gny manao anazy amy Sabata.''3Fa Jesosy nizaka anazy reo ho:''Bo sy nivakindrareo mihisy se gny raha nataon'i Davida, gny fa resy izy,vo reo lelahy aby niaraky taminazy?4Nilisy tao amy tragnon'Agnahary izy dra nihina gny mofo gny fanatreha,ze sy ara-dalana ho anazy raha hany dra sy ara-dalana ho an'ereo ze niaraky taminazy,nefa ara-dalana ho agny loha gny mpisoro raiky avo.5Sy bo nivakindrareo se gny ao amy lalana,fa amy Sabata reo mpisoro ao an-tepoly dra manota gny Sabata nefa sy mana-signy? 6Kanefa zakako amindrareo fa eto gny raiky lahibe noho gny tempoly.7Raha ba haindrareo gny hevisy gny ho:'Famindram-po gny iriko fa sy soro,'dra sy nagnahy gny sy mana-signy andrareo.8Fa gny zanak'olo gny Topony gny Sabata.''9Laha teo Jesosy niala tao dra nilisy tao amy Synagogan'ereo.10Indro, nisy lelahy ze malemy tagna teo.Nagnotany an'i Jesosy reo Fariseo,nanao ho:''Mety se gny magnasitra amy Sabata?''ba hiampangan'ereo anazy amy fahota.11Hoy Jesosy tamin'ereo ho:''Olo iza amindrareo eo, iza,raha agn'ondry raiky avo gny anagnany,dra raha lasaky agnaty lavaky laliky gny agn'ondry amy Sabata,gny sy hanambosy anazy dra sy hampiakasy anazy?12Sy manan-daza mihoasy lavisy ,se, gny olo noho gny agn'ondry! Dra noho zay dra mety gny manao soa amy andro Sabata.''13Laha teo hoy Jesosy tamin-dralelahy ho:''Ahisio gny tagnanao.''Dra nahisiny zay,dra nihery gny fahasalamany ,manahaky gny tagnany ilany.14Fa niboaky reo Fariseo dra nitetiky gny hamono Anazy. Nitalia hevisy gny amy fomba mety hamonoa Anazy reo.15Gny fa nahay anizay Jesosy,dra niala teo Izy.Olo maro gny nagnaraky Anazy,dra nisitraniny aby izy.16Dra nandidy anazy reo Izy ba sy hampafatasy Anazy amy hafa,17ba hahatateraky, ze fa nambara tamy alalan'Isaia mpaminany,manao ho:18''Hatio,gny mpanopoko ze nifiliko; ry malalako,zay sitrakiny gny fagnahiko indrindra. Hapetrako ao aminazy gny fagnahiko,dra hagnambara gny fisara amy zetilisa izy.19Sy hifagnakany dre hitoka fatrasy izy; dra sy hisy olo hahare gny feony egny an-dala.20Sy hanapaky gny volotara torotoro izy;sy hamono ze lahi-ziro manendroky , mandra-panovany gny rairiny ho fandrese,21dra amy agnarany gny hanagnan'ireo zetilisa fanatena.''22Laha teo nisy olo poaky vo moana, nipetrarany devoly, nandesy teo amy Jesosy. Nisitraniny izy, vokasin'izay dra nizaka vo nahita gny moana.23Latsa reo vahoaky aby dra nizaka ho:''Mety io lelahy io se gny zanak'i Davida?''24Kanefa gny fa nahare anizay fahagaga zay reo Fariseo,dra hoy ereo ho:''Io lelahy io dra sy mamoaky devoly raha-sy amy alalan'i Belzeboba,lahibeny gny devoly.''25Kanefa fatasin'i Jesosy gny eritserin'ereo dra nizaka anazy reo ho:''Gny fazaka iaby mialy an-tragno dra sy haharisy ,dra gny tana na tragno aby mialy an-tragno dra ho rava.26Raha mamoaky satana gny satana,dra mialy an-tragno izy. manao akory gny hizoroany fazakany?27Dra raha mamoaky reo devoly amy alalan'i belzeboba zaho,dra amy alalan'iza zay gny androahany zanakindrareo anazy reo?NOho zay atony zay dra ho pisara ereo.28Kanefa raha mamoaky reo devoly amy alalany Fagnahin'Agnahary Zaho,dra fa avy amindrareo gny Fazakan'Agnahary.29Amy fomba manao akory gny ahafahany gny milisy ao an-tragnony lelahy mahery dra mangalaky anereo fanagnany raha sy hafehiny gny lelahy mahery?Laha teo hangalaky reo fanagna ao an-tragnony izy.30bZe sy momba anahy dra manohisy anahy,dra ze sy mitambasy miaraky aminahy dra miparitaky.31Noho zay zakako amindrareo fa,ho voavela heloky gny olo amy fahota vo fizaka-drasy iaby,fa gny fizaka-drasy amy Fanahy masy dra sy hahazoa famelan-keloky.32Dre iza dre iza mizaka manohisy gny zanak'olo,dra ho voavela izy.Fa dre iza dre iza mizaka manohisy gny fanahy masy,dra sy ho voavela izy,dre amin'izao fiaigna izao,dre amin'izay ho avy.33Atovy soa gny hazo dra hamoa soa ,dre atovy rasy gny hazo dra hamoa rasy zay,fa fatasy amigny tegnany gny hazo.34Andrareo taranaky gny menarana,satria rasy fagnahy andrareo,dra manao akory gny afahandrareo mizaka raha soa? Fa avy amy habeny ao am-pony gny izakany gny vavany.35Gny olo soa avy amigny hanagna soa ao am-pony dra mamokasy ze soa,dra gny olo-drasy laha tamy hanagna rasy ao am-pony dra mamokasy ze rasy.36Zakako amindrareo fa amy androny gny fisarana dra ho adigny amigny zaka sy voahevisy nizakany aby gny olo.37Fa gny zakanao gny hagnamary anao,dra gny zakanao gny hagnahia anandrareo.''38Laha teo nisy mponora-dalana vo Farise sasasany namaly an'i Jesosy dra nizaka jo:''Ry Mpampianasy, magniry gny ahita fanatara laha taminao zahay.''39Fa namaly Jesosy dra nizaka anazy reo ho:''Misy taranaky rasy fagnahy vo mpizangazanga mitalia famatara. Kanefa sy misy famatara ome anazy afa-sy gny famataran'i Jaona mpaminany.40Fa mitovy an'i Jaona ze telo andro vo telo hariva tao agnatiny trokiny fia lahibe zay,dra hanahaky anizay koa gny hitoerany gny zanak'olo telo andro vo telo hariva ao agnatiny gny tany.41Reo olon'i Ninive dra hisanga eo amy fisarana miaraky amin'itijo taranaky itiho dra hagnahy anizay. Fa nibebaky ereo taminigny toriten'i Jaona,dra indro,misy olo lahibe noho Jaona eto.42Gny pazakavavy gny asimo dra hiara-hisanga amin'ireo lelahin'itiho taranaky itiho amigny androny fisara dra hagnahy zay.Avy laha tagny amy farany gny tany izy ba hahare gny fahendren'i Salomona,dra indro,misy olo lahibe noho Solomona eto.43Rehefa nisy fagnahy rasy niala tao amy lelahy raiky,dra mandalo tany maiky izy dra mitalia fisahara,nefa sy mahita anizay.44Zay dra mizaka ho:'Miharegna agny amy tragnoko ze nihaviako zaho.'Dra nony avy ,dra nahita fa voafafa gny tragno dra nilamy.45Laha teo dra nandeha izy dra ninday fagnahy rasy mihoasy fito niaraky taminazy ze rasy mihoasy anazy,dra nilisy nony tao izy iaby.Laha teo niha-rasy noho gny volohany gny fiafaran'izay lelahy zay.Dra hanahaky anizay koa amin'itiho taranaky rasy fagnahy itiho.''46Raha bo nizaka tamin'ereo vahoaky Jesosy,dra indreo,gny reniny vo reo rahalahiny nisanga tagny ambaliky,nitalia hiresaky aminazy.47Nisy olo raiky nizaka taminazy ho:''Hatio, gny reninao vo reo rahalahinao misanga ao ambaliky, mitalia iresaky aminao.''48Fa namaly Jesosy vdra nizaka tamigny nizaka Anazy ho,''Iza gny reniko dra iza reo rahalahiko?''49Laha teo nahisiny tamin'ireo moianany gny tagnany dra nizaka ho:''Hatio ,tahoky gny reniko vo reo rahalahiko! 50Fa ze manao gny sitrapony Rako ze agny an-dagnisy,dra ze olo zay gny rahalahiko,vo gny anabaviko,dra reniko.''
Chapter 13

1Tamin'izay andro zay Jesosy nandeha niboaky gny tragno dra nipetraky teo amoronigny ranomasy.2Nisy vahoaky maro nivory nagnodidy Anazy,dra nilisy tao asambokely Izy dra nipetraky tao amin'izay.raha nisanga teo amoron-dranomasy koa gny vahoaky iaby.3Laha teo Jesosy nizaka raha maro tamin'ereo tamigny alalany fagnohara.Ho Izy ho:''Indro,nisy mamboly raiky nandeha niboaky hamafy tegnan-draha.4Raha izy namaly igny,dra nisy tegnany sasany lasaky tegny amoron-dala,dra tamy reo voro dra nandrapaky reo.5Reo tegnany hafa draiky dra lasaky tegny amy tany maro vato,ze sy nahazoan'ereo nofo-tany soa,avy dra nisiry reo,satria sy laliky gny tany.6Fa gny niboaky gny masoandro,dra maiky reo satria sy nisy vahany,dra nalazo.7Nilasaky teo amy raha maragnisy koa gny tegnany hafa.Nisiry reo tsilo dra nialaibe anazy reo.8Gny tegnany nilasaky tamigny tany soa dra namoa,gny sasany agn'abo zato heny,gny sasany eni-polo,dra gny sasany telo-polo.9Ze mana-sofy,ao izy hiteno.''10Tamy reo mpianasy dra nizaka an'i Jesosy ho:''Manao akory anao gny miresaky amin'ireo vahoaky amy alalany fagnohara?''11Namaly Jesosy dra nizaka anazy reo ho:''Andrareo gny nome tombony hahafasy raha-mivony amy fazaka gny lagnisy reo,fa ho anazy reo dra sy nome anizay.12Satria dre iza dre iza mana,dra ho be avo gny home.Fa dre iza dre iza koa sy mana,dre ze hanagnany avo ho ala aminazy.13Zay gny atony hiresahako amin'ereo amy alalanigny fagnohara:Dre dra hagnety avo aza reo,dra sy mahita; dre miteno avo ereo,dra sy mahare,dre mahazo.14Amin'ereo gny faminanian'Isaia gny tateraky,ze mizaka ho:'Gny fa miteno dra hahare andrareo,saiky sy hahazo mihisy;gny fa magnety dra hahita andrareo,saiky sy hahatakasy.15Fa nazary sy nahay gny fon'itiho vahoaky itiho,dra fatrasy sofy ereo,dra natoran'ereo gny masony,ba sy hahita amy mason'ereo,dre hahare amy sofin'ereo,dre hahazo amigny fon'ereo,dra hibebaky ereo,dra hagnasitra anazy zaho.'16Fa sambasy gny masondrareo,satria mahita;dra gny sofindrareo,satria mahare.17Zakako mary amindrareo fa paminany vo olo-mary maro gny nagniry gny hahita reo raha ze hiandrareo,kanefa sy nahita an'ereo.Nagniry gny hahare reo raha ze rendrareo ereo,nefa sy nahare an'ireo.18Koa mitenoa dra gny fagnohara gny amy pamboly raiky namafy gny tegnany.19Gny fa misy mahare gny zaka gny fazaka nefa sy mahazo zay,dra avy gny rasy dra magnombosy ze nafafy tao am-pony.Io gny tegnany nafafy tegny amoron-dana.20Gny nafafy amigny tany be vato dra gny olo ze mahare gny zaka dra avy hatrany dra mandray anazy am-pifalia,21Saiky sy bo miorim-paka ao agnatiny izy dra maharisy tselatsela avo. Gny fa avy gny faharasia dre gny fagnezeha noho gny amy zaka,dra malaky fafitohy izy.22Gny nafafy tegny amy tsilo,io dra gny olo ze mahare gny zaka,saiky gny fisalasalan'izao totolo izao vo gny fitaky gny hanagna gny magnabe gny zaka,dra lasa sy mamoa izy.23Gny nafafy teo amy tany soa,io gny olo ze mahare gny zaka dra mahazo anizay.Mamoa misy tegnany izy dra mahavy gny tegnany raiky,hagnome avo zato heny mihoasy ze nambole,gn'ilany enim-polo, gn'ilany avo telo-polo heny.''24Nagnaboaky fagnohara raiky hafa tamin'ereo Jesosy.Ho Izy ho:''Gny fazaka gny lagnisy dra manahaky gny lelahy raiky ze namafy tegnan-draha soa tao aminigny tanimboly.25Fa raha nandry igny gny olo,dra avy gny fahavalony dra namafy voa-simparifary avo koa tao amin'ireo vary dra nandeha.26Gny fa nisiry gny vary dra avy eo namokasy gny tegnany,dra nipoisy avo koa gny voa-simparifary.27Niavy reo mpanompony Topon-tany dra nizaka taminazy ho:'Topoko,sy namafy tegnany soa tao amy tanimbolinao se ianao? Nanao akory izy amizao gny misy tegna-simparofary?'28Ho izy tamin'ereo ho:'Nisy fahavalo nanao anizay.'Hoy gny mpanompo taminazy ho:'Tianao se gny handehananay magnombosy anazy reo?'29Gny topon-tany nizaka ho:'Haha. Satria raha magnombosy gny simparifary andrareo,dra mety hagnombosy gny vahan'ireo vary miaraky amin'ireo koa.30Angao hiaraky hirisy ereo ro hatramigny fanapaha anazy.Amy fotoa-fanapaha dra hizaka amy mpanapaky zaho ho:''Alao seky reo ahi-drasy dra fehezo ho maromaro ba hagnoroa anazy reo,fa havorio ao amy fagnisia vokasy reo vary.''''''31Laha teo Jesosy nampiboaky fagnohara raiky hafa tamin'ereo .Ho Izy ho:''Gny fazakany gny lagnisy dra manahaky gny tegnasinampy ze nalany gny lelahy raiky dra nafafiny teo amy tanimboliny.32Io tegnany io tokoa gny tegnany masaiky indrindra amy tegna-draha hafa iaby.Fa gny nisiry zay,dra lahibe noho reo raha-misiry ao amy tanimboly.Nazary hazo zay,ba hiavian'ereo voronigny lagnisy dra hanao gny tragnon'ereo eo amin'ireo rasany.''33Laha teo Jesosy nizaka fagnohara raiky hafa.''Gny fazakanigny lagnisy dra manahaky gny lalivay ze nalany ampela raiky dra naharony taminy lafariny itelo famara mandra-piakasy gny foto-koba manotolo.''
35Zay dra ba hahatateraky ze nizaka taminigny alalany mpaminany, gny fa nizaka Izy ho:''Izaho hizaka amigny alalany fagnohara. Hizaka raha ze navoniny hatrizay nagnorena zao totolo zao zaho.''36Avy eo Jesosy niriosy gny vahoaky dra nagnao an-tragno.Nagneo aminazy gny mpianany dra nizaka ho:''Azavao aminay gny fagnohara momba gny simparifarinigny tanimboly.''37Namaly Jesosy dra nizaka ho:''Gny mamafy tegnany soa dra gny Zanak'olo.38Gny tanimboly dra zao totolozao;dra gny tegnany soa,reo gny zanaky gny fazaka.Gny simparifary dra gny zanaky gny rasy,39dra gny fahavalo ze namafy anazy reo dra gny devoly.Gny finapaha dra gny fiafaran'izao totolo zao,dra gny mpanapaky dra reo azely.40Noho zay,tahaky gny amoria vo hagnoroa gny simparifary amy afo,gny atao koa amy fiafaran'izao totolo zao.41Hagniraky gny azeliny gny Zanak'olo,dra ho ahoron'ereo hiala amy fazaka gny raha iaby ze mahavy fahota,vo gny ze manao rasy.42Hatoran'ereo ao amy laforo lahibe mirehisy afo ereo,ze hisy gny fitomagnia vo gny fikitroha-nify.43Laha teo hamirasy manahaky gny mahasoandro ao amy fazakanigny Rain'ereo gny olo-mary. Zay mana-sofy,ao izy hiteno.44Gny fazakanigny lagnisy dra manahaky gny hanagna ze mivony ao aminigny tanimboly raiky. Nisy lelahy nahita anizay dra navoniny. Nandeha taminigny hafaliany izy,nivarosy ze anagnany iaby,dra nivily anio tanimboly io.45Dra gny fazakany gny lagnisy dra manahaky gny lelahy ze mpivarosy mitalia voahangy lafo vily.46Gny fa nahita voahangy raiky zay tena lafo vily izy,dra nandeha ka nivarosy se anagnany iaby dra navily .47Gny fazaka gny lagnisy dra manahaky gny harato ze natoraky tagny an-dranomasy,dra namory gny karaza-draha-magnay. 48Gny fa feno zay,dra nisitomin'ereo pagnarato ho eo amoron-dranomasy. Laha teo ereo nipetrky dra nagoro gny raha soa ho ao amy fipetrarany,fa gny raha sy taliaviny koa narian'ereo.49Hanahaky anizay amy fiafaran'izao totolo zao. Ho avy gny azely dra hagnasaraky gny rasy fagnahy amin'ereo mary.50Hatorakin'ereo ao amy fagnoroa lahibe mirehisy afo ereo, ze hisy gny fitomagnis vo fikitroha-nify.51Azondrareo se ze raha iaby zay?''Hoy reo mpianany taminazy ho:''Eka.''52Laha teo Jesosy nizaka tamin'ereo ho:''Noho zay gny mpanora-dala iiaby ze lasa mpianasy eo amy fazakanigny lagnisy dra manahaky gny lelahy topon-tragno raiky ,ze mamoaky gny raha fa ela vo gny raha vaovao laha tao amy hanagnany.''53Laha teo gny fa nahavita anireo fanohara reo Jesosy,dra niala tamin'izay toera zay Izy.54Laha teo Jesosy nilisy tao amy taniny manoka dra nampianasy gny vahoaky tao amy synagogan'ireo.Vokasin'izay dra talazo ereo dra nizaka ho:''Avy eza gny ahazoan'itiho lelahy itiho gny fahendreny vo gny fagaga reo?55Sy io lelahy io se gny zanaky gny mpandrafisy?Sy maria se gny fitokava gny reniny? Sy Jakoba, Josefa,Simona,dra Jodasy se gny rahalahiny? 56St miaraky amisika se reo anabaviny iaby? Avy eza gny nahazoany gny raha reo iaby?''57Tohina noho gny aminazy ereo.Fa hoy Jesosy tamin'ereo ho:''Sy misy mpaminany sy misy hajany raha sy ao amy fireneny vo ao amy fianakaviany avo.''58Sy dra nanao fahalasam-be tao Izy noho gny sy finoan'ereo.
Chapter 14

1Tamin'izay fotoa zay, Heroda pazaka nahare gny vaovao momba an'i Jesosy.2Ho izy tamin'ereo mpanompony ho:'' I Jaona mpanao batisa zay; nisanga tamy gny maty izy.Noho zay dra miasa ao aminazy reo hery reo.''3Fa Heroda nanambosy an'i Jaona,namehy anazy ,dra nandefa anazy tagny an-tragno mezy noho i Herodiasy,valin'i Filipo rahalahiny.4Fa hoy Jaona taminazy ho:''Sy ara-dala ho anao gny mana anazy ho valinao.''5Nagniry gny hamono anazy Heroda,saiky natahosy gny vahoaky izy,satria nirambesin'ereo manahaky gny mpaminany izy.6Fa gny avy gny andro nahaterahany'i Heroda,dra nasizaky teo agnevon'ereo vahiny nasany gny zanakapelan'i Herodiasy dra nahafinarisy an'i Heroda.7Ho setrin'izay,dra nampanatena taminigny fianiana izy gny hagnome ze hangatahiny dre ino dre ino.8Gny fa avy natorony reniny mariky,dra ho izy ho:''Omeo anahy eto, agn'abony ampondra, gny lohan'i Jaona mpanao Batisa.''9Nalahelo fatrasy noho gny fangatahany gny pzaka,saiky noho gny voadiny vo noho reo nisakafo niaraky tanminazy aby,dra nagnome baiko izy fa tokony ho vita zay.10Nagniraky dra nanapaky gny lohan'i Jaona tao an-tragnomezy izy.11Laha teo nandesiny tamy finga gny lohany dra nomeny gny zazapela dra nandesiny teo aminy gny reniny zay.12Laha teo dra avy gny mpianany,nangalaky gny faty,dra nandevy anizay. Tafaran'izay,dra nandeha ereo dra nizaka tamin'i Jesosy.13Dra gny fa nahare anizay Jesoy,dra niala laha teo tamy zambokely raiky izy hagnagny amy toera mitoka raiky.Gny fa nahare anizay reo vahoaky,dra nagnaraky anazy an-tombony laha tagny amin'ereo tana-dehibe.14Laha teo Jesosy nagneo anoloan'ereo dra nahita gny vahoaky maro be.Niferignay anazy reo Izy dra nagnasitrany gny aretin'ereo.15Gny fa avy gny hariva,dra nagneo aminazy reo mpianasy dra nizaka ho: ''Itiho dra toera rava,dra fa tapisy sahady gny andro. Alefao gny vahoaky,ba hahafahan'ereo mandeha agny amin'ereo tana dra hivily hany ho ay vatan'ereo.''16Fa Jesosy nizaka anazy reo ho:''Sy mila mandeha lavisy ereo.Omeondrareo raha hany ereo.''17Hoy ereo taminazy ho:''Mofo dimy vo hazandrano ro avo hanagnanay eto.''18Hoy Jesosy ho:''Andeso atiho aminahy zay.''19Laha teo Jesosy nibaiko gny vahoaky ba hipetraky eo amy zeky (bozaky). Nalany gny mofo dimy vo hazandrano ro. Niandrandra tagny an-dagnisy,dra nisaotra Izy dra nanapaky gny mofo dra nomeny gny mpianany,dra mpianasy nagnome anizay ho an'ereo vahoaky.20Nihina avo koa izy aby dra visy.Laha teo dra navorin'ereo gny sisan'ereo poti-sakafo dra nahafeno dimy arivo lahy teo gny nihina,hafasy gny zaza amam-pela.22Avy dra nasainy nagnao amy sambokely dra handeha hialoha anazy ho egny ampita gny mpianany, raha bo nandefa gny vahoaky Izy.23Tafarany nandefasany gny vahoaky,dra nandeha niakasy tegny an-tendrombohisy raiky Izy ba hivavaky. Gny fa avy gny harivamdra izy raiky teo.24Dra gny sambo dra fa lasa lavisy gnytanety,nakopakopany oza.satria nitsoka nanohisy anazy gny rivosy.25Taminigny fiambena fahefasy gny hariva dra nagnato anazy reo Jesosy,nandeha tegny agn'abony ranomasy.26Gny fa nahita anazy nandeha tegny agn'abony ranomasy gny mpianasy,dra lasa natahosy dra nizaka ho:''Biby io,''dra nihiakiaky tami-tahosy ereo.27Fa Jesosy nizaka tamin'ereo avy hatrany ho: ''Mahereza! Izaho itiho! Ka matahosy.''28Namaly Anazy Petera dra nanao ho:''Topo,raha anao io,dra zakao magnato anao egny agn'abonygny rano zaho.''29Hoy Jesosy ho:''Magnato''dra niala laha tao amy sambokely Petera dra nandeha teo agn'abony rano ba hagnato an'i Jesosy.30Fa gny nahita gny sioky Petera,dra llasa natahosy. Raha igny izy nanomboky niletiky igny,dra nikoraky fatrasy izy sady nizaka ho:''Topo vozeo Zaho!''31Avy hatrany Jesosy dra nanondrosy gny tagnany, nita an'i Petera,dra nizaka taminazy ho:''Ianao ry masaiky finoa,fa magnino anao gny misalasala?''32Laha teo Jesesy vo i Petera nandeha nita gny sambokely,nizano nitsioky gny sioky. 33Laha teo gny mpianasy tao agnaty sambokely nidera an'i Jesosy dra nizaka ho:''Anao mary gny Zanak'Agnahary.''34Gny fa avy nisaky ereo,dra avy tegny an-tanety tao Genesareta.35Gny fa nahafatasy an'i Jesosy gny lelahy tao amin'izay toera zay,dra nandefa hafasy tegny amy farisy magnodidy iaby,dra nandesin'ereo teo aminazy ze olo narary aby.36Nandohaliky taminazy ereo ba hahafahan'ereo mikasiky gny sisin'akazony avo, dra maro gny nikasiky anizay dra sitrany.
Chapter 15

1Laha teo nisy Fariseo vo mpanora-dala sasasany laha tagny Jerosalema nagnato an'i Jesosy. Ho izy ho:2''Nanao akory gny mpianasy gny mandika gny fombondrazan'ereo zoky olo? Fa sy manasa gny tagnan'ereo aloha gny hihina.''3Namaly Izy dra nizaka tamin'ereo ho:''Dra nanao akory dra andrareo gny mandika gny lalan'Agnahary noho gny fomban-drazandrareo?4Fa Zagnahary nizaka ho:'Hazao gny ranao vo gny reninao',dra ze mizaka rasy gny rany na gny reniny,dra ho maty vatany.'5Fa andrarea mizaka ho:'Dre iza dre iza mizaka amy rany na reniny ho:''Dre ino dre ino fagnapia ze azondrareo laha taminahy dra fagnomeza ho agn'Agnahary amizao,'''6ze olo zay dra sy mila magnaja gny rany. Amin'izay fomba zay dra nirandreo gny zakan'Agnahary noho gny tombosoan'ereo fombon-drazandreo.7Ry mpiasaravelasihy! Mary gny faminanian'Isaia momba andrareo raha nizaka izy ho:8'Itiho vahoaky itiho dra magnaza anahy amy sognin'ereo,fa gny fon'ereo dra lavisy anahy.'v 9 Sy misy dikany gny fiderany anahy,satria ereo mampianasy gny didin'olombelo manahaky gny fampianaran'ereo.'''10Laha teo nitoka gny vahoaky ho eo aminazy Izy dra niresaky tamin'ereo ho:''Mitenoa dra mahazoa -11Sy gny milisy ao ambavan'olo gny mandoto gny olo .Fa ze aboaky gny vava,gny mandoto gny olo.''12Laha teo nagnato gny mpianasy dra niresaky tamin'i Jesosy ho:''Moa se fatanao fa tohina gny Fariseo noho gny nahare anizay zaka zay?''13Jesosy namaly dra nizaka ho:''Reo raha-misiry zay sy nambolenigny Rako agny an-dagnisy dra ho fongory iaby.14Angao ereo ho eo,ereo dra mpitariky poaky raiky hafa,dra samy hivary an-kady ereo ro.''15Petera namaly dra nizaka tamin'i Jesosy ho:''Azavao aminay zay fagnohara zay.''16Hoy Jesosy ho:Sy manam-pahalala avo koa se andrareo?''17Sy hitanao se fa ze milisy amy vava dra magnao antroky dra avy eo dra haboaky agny amy lava-piringy?18Fa gny raha ze aboaky gny vava dra laha taminigny fo.Reo raha reo gny mandoto gny olo raiky.19Fa avy amy fo gny iboahany sai-drasy,gny vono olomgny fizangazanga,gny fangala valin'olo,gny halasy,gny fijoroa vavolombelo sy mary,dra gny fizaka-drasy.20Reo raha reo gny mandoto gny olo raiky.Fa gny mihina amy tagna sy misasa dra sy mandoto gny olo raiky.''21Laha teo Jesosy niala teo dra nihery tagny amy faritanin'i Tyrio vo Sidona. 22Indro,nisy ampela Kananita raiky baka ami'izay farisy zay. Nitoka fatrasy izy dra nizaka ho:''Mamindra fo aminahy,ry Topo,Zanak'i Davida o! Gny zanakapelako dra marariny gny devoly.''23Fa Jesosy sy namaly anazy.Nagnato gny mpianany dra niangavy taminazy,nanao ho:''Roaho izy,fa mikorakoraky fatrasy amisika.''24Fa Jesosy namaly dra nizaka ho:''Sy mirahy ho eza na eza Zaho afa-sy ho aminigny agn'ondry lelo ao amy fianakavian'Israely.''25Fa avy nangataky vo nandohaliky teo agnatrehany izy,nanao ho:''Topo,vozeo Zaho.''26Namaly Izy dra nanao ho:''Sy rariny raha ala gny mofo-zaza dra atoraky ho agny amboa.''27Fa hoy izy ho: ''Eka,Topo, fa dre gny amboa avo ba mihina ze lasalasaky avy amy latabasy gny topony.''28Dre namaly Jesosy dra nizaka taminazy ho:''Rampela,lahibe gny finoanao; ho tateraky aminao seky ze araky ze irinao.''Dra sitrany gny zaza ampela tamin'izay lera zay.29Niala teo Jesosy dra nihamariny gny ranomasin'i Galilia.Laha teo dra niakasy tegny an-ndhambohisy raiky Izy dra nipetraky teo.30Vahoaky maro gny nagnato Anazy.Nandesin'ereo niaraky tamin'ereo gny mandringa,gny poaky,gny moana,gny olo mana-kandra,dra marary maro hafa koa.Napetrakin'ereo teo an-tombon'i Jessosy reo;dra nisitraniny.31Dra talozo gny vahoaky raha nahita gny moans mizaka,gny olo mana-kandra sitrany,gny malemy afaky mandeha,dra gny poaky mahirasy.Nakalaza gny Zagnaharin'Israely ereo.32Nitoka gny mpianany ba hagnato Anazy Jesosy dra nizaka ho:''Miferignay gny vahoaky Zaho,satria fa telo andro sahady ereo gny nipetraky niaraky taminahy nefa sy mana-ko hany.Sy te handefa anazy reo sy mihina Zaho,mazary hotorana egny amy lala avo.''33Hoy ereo mpianasy taminazy ho:''Eza gny hahitanay mofo tandrify vo apy gny vahoaky maro be reo atiho agn'efisy?''34Hoy Jesosy tamin'ereo ho:'Mofo firy gny agny amindrareo?''Dra ho izy reo ho:''Fito,vo hazandrano mandiniky keliky.''35Laha teo Jesosy nandidy gny vahoaky ba hipetraky amy tany.36Nandramby gny mofo baminigny hazandrano Izy,dra gny fa nisaotra, dra namaky gny mofo dra nanolosy gny ho an'ireo mpianasy.Reo mpianasy nagnome ho agny vahoaky.37Nihina dra afa-po gny vahoaky aby.Laha teo ereo namory sobika fito feno sasasany ze sy lany.38Reo ze nihina dra efasy arivo lahy,sy ao agnatiny gny zaza amam-pela.39Laha teo jesosy naheriny gny vahoaky dra nitikisy sambokely dra nagnagny amy farisin'i Magadana.
Chapter 16

1Avy reo Fariseo vo Sadoseo dra nisapa Anazy ka nangataky Anazy ba hampiseho anazy gny famatara laha tagny an-dagnisy.2Fa Izy namaly dra nizaka anazy reo ho:''Gny fa hariva,dra ho andrareo ho:'Ho sara gny andro,fa mena gny lagnisy.'3Gny fa maraindray,dra ho andradreo ho:'Ho rasy gny andro,fa mena vo mazombo gny lagnisy.'Haindrareo gny mamatasy gny poziny gny lagnisy,fa andrareo sy afaky mandika gny famatara gny fotoa.4Gny taranaky rasy vo pizangazanga dra mitalia famatara,fa sy hisy famatara homeny anazy afasy gny famataran'i Jona.''Laha teo Jesosy nangenga anazy reo dra nandeha.5Gny fa avy tegny ampita gny mpianasy,dra alignon'ereo gny ninday mofo.6Hoy Jesosy tamin'ereo ho:''Miambena dra mitandrema amy misirasin'ereo Fariseo vo Sadoseo.''7Nitalia hevisy reo mpianasy dra nizaka ho:''Noho isika sy ninday mofo zay.''8Jesosy nahafatasy anizay dra nizaka ho:''Andrareo ry masaiky finoa,nanao akory ndareo gny mialy hevisy amindrareo dra mizaka fa noho gny sy nandesandrareo mofo zay?9Bo sy haindrareo na saroandrareo se gny mofo dimy ho agny dimy arivo, dra sobika firy gny nahorindrareo?10Dre gny mofo fito ho an'ireo efasy arivo,dra sobika firy gny nalandreo?11Nanao akory gny sy ahazoandrareo fa sy momba gny mofo gny nizakako andrareo?Miambena dra mitandrema amy masimasin'ereo Fariseo vo Sadoseo.''12Laha teo azon'ereo fa sy hitandry amy masimasinigny mofo gny nizakany anazy reo, fa hitandry gny amy fampianaran'ireo Fariseo vo Sadoseo.13Dra gny fa avy tagny amy farisy mariny gny Kaisaria-filipo Jesosy,dra nagnotany reo mpianany Izy,manao ho:''Ataonigny olo ho iza moa gny Zanak'olo?''14Ho izy reo ho:''Gny sasany mizaka fa Jaona mpanao batisa; gn'ilany ,Elia;dra gny hafa,Jeremia; dre raiky amin'ereo mpaminany.''15Ho izy tamin'ereo ho:''Fa andrareo koa manao Anahy ho iza?''16Namaly ,Simona Petera nanao ho:''Ianao gny kristy, zanakiny Zagnahary velo.''17Namaly Jesosy dra nanao taminazy ho:''Sambasy anao,ry Simona Bar-Jona,fa sy gny nofo gny lio gny naneho anizay taminao,fa gny Rako ze agny an-dagnisy.18Zakako aminao avo koa fa anao gny Petera,dra agn'abon'itiho vatolapy itiho gny hagnorenako gny fiangonako.Gny fefiny lolo dra sy haharesy anizay.19Homeko andrareo gny fangalahilinigny fazaka gny lagnisy.Dre ino dre ino fehizinao eto agn'abony tany dra ho fehezy agny an-dagnisy, dre ino dre ino vahanao etiho an-tany dra ho vaha agny an-dagnisy.''20Laha teo Jesosy nandidy reo mpianasy fa izy reo dra sy tokony hizaka amin'iza dre iza fa Izy gny kristy.21Tamin'izay fotoa zay Jesosy nanomboky nizaka reo mpianany fa sy maisy ho agny Jerosalema Izy,hizaka fizalia maro eo an-tananigny loholo vo gny loha gny mpisoro dra reo mpanora-dalana,ho vono,vo hasanga draiky amy andro fahatelo.22Laha teo Petera nangalaky Anazy dra nizaka fatrasy Anazhy,manao ho:'Ho lavisy anao seky zay,ry Topo;sy hisanga aminao mihisy se zay.''23Fa Jesosy nitoliky dra nizaka tamin'i Petera ho:''Miala agny andamosiko,ry Satana!Anao dra fanafitohy ho anahy,noho anao sy miraharaha reo rahan'Agnahary,fa reo rahanign'olo.''24Laha teo Jesosy nizaka tamin'ereo mpianany ho:''Raha misy te-hagnaraky anahy,dra sy maisy manda gny vatany izy,hinday gny hazofizaliany,dra magnaraky anahy.25Fa dre iza dre iza te-hamozy gny ainy dra hahalevo anazy,dre iza dre iza gny hahalevo gny ainy noho gny aminahy,dra hahazo anizay.26Fa ino moa gny soa ho azony olo raha mahazo zao totolo zao kanefa levo gny ainy?Ino gny omeny gny olo ho takalognainy?27Fa gny zanak'olo dra ho avy amy voninahisy gny rany miaraky amin'ereo azeliny.Laha teo Izy hamaly soa gny olo kirairaiky araky ze vitany.28Zakako mary amindrareo,fa misy gn'ilany amindrareo ze mizoro etaho gny sy hosapa gny fahafatesa mandrapahitan'ereo gny Zanak'olo avy amy fazakany.''
Chapter 17

1Herign'andro taafarany Jesosy dra nangalaky an'i Petera,Jakoba,vo Jaona rahalahiny niaraky taminazy,dra ninday anazy reo niakasy gny vohisy abo tamy vatan'ereo.2Niova endriky teo aloan'ereo Izy.Namirasy manahaky gny mahasoandro gny tarehiny,dra gny akazony lasa namirasy manahaky gny hazava.3Indro,niseho tamin'ereo Mosesy vo Elia niresaky taminazy.4Namaly Petera dra nanao tamin'i Jesosy ho:''Topo,soa amisika gny eto.Raha sitrakao,dra hanao fialofa telo ho asika eto zaho-raiky ho anao,raiky ho an'i Mosesy,dra raiky ho an'i Elia.''5Raha bo nizaka Izy,indro,nisy raho mazava nanaro anazy reo,dra indro,nisy feo niboaky laha tao amy raho,nanao ho:''Itoho gny Zanako malalako,ze sitrako tokoa.Tenoy Izy.''6Gny fa ren'ereo mpianasy zay,dra lavo ereo dra natahosy fatrasy.7Laha teo tamy Jesosy dra nihazy anazy reo dra nizaka ho:''Misangana dra ka matahosy.''8Laha teo dra nagnety agn'abo ereo fa sy nahita dre iza dre iza afa-sy Jesosy raiky avo.9Raha nizoso gny vohisy ereo, dra nandisy anazy reo Jesosy,nanao ho:''Ka mitatisy anizao fahitana anizao dre amin'iza dre iza mandra-pisanganigny Zanak'olo amy maty.''10Nagnotany anazy reo mpianany,nanao ho:''Nanao akory dra reo mpanora-dalana gny mizaka fa Elia dra sy maisy ho avy aloha?''11Jesosy namaly dra nizaka ho:''Elia dra ho avy vatany dra hagnery amy loniny gny raha iaby.12Nefa zakako amindrareo,fa avy Elia,fa ereo sy nahafatasy anazy.Mifanohisy amin'izay,nanao gny raha ze tiany natao taminazy aby ereo.Dra manahaky anizay avo koa,gny Zanak'olo avo koa dra hijaly eo an-tagnan'ereo.13Laha teo dra azon'ereo mpianasy fa nizaka tamin'ereo gny momba an'i Jaona mpanao Batisa Izy.14Gny fa avy teo amy vahoaky ereo,dra nisy lelahy raiky nagnato Anazy,nandohaliky teo aloany,dra nizaka ho,15''Topo,mana famindram-po amy zanadahiko ,fa voanigny androbe izy dra mijaly fatrasy.Fa lavo matetiky agny agnaty afo na rano izy.16Ninday anazy teo amin'ireo mpianasinao zaho,fa sy afaky nagnasitra anazy ereo.''17Namaly Jesosy dra nizaka ho:''Ry taranaky sy mpino vo simba toesy,mandraky ombia gny tokony hipetrarako miaraky amindrareo? Mandraky ombia gny sy maisy izakako miaraky amindrareo? Andeso eta aminahy izy.''18Nizaka fatrasy gny devoly Jesosy,dra niboaky taminazy zay dra sitany tamin'izay lera zay gny zazalahy.19Dra nagnato an'i Jesosy mangingiky reo mpianany dra nanao ho:''Magnino gny sy nahavita namoaky agn'iny zahay?''20Jesosy nizaka anazy reo ho:''Nohonigny finoa masaikinao.Fa zakako mary amindrareo,draha mana finoa dre masaiky manahaky gny tegnasinapy avo andrareo,dra afaky mizaka amin'itiho vohisy itiho andrareo ho:'Mifindra erahoky na erihoky ,dra hifindra zay dra sy hisy dre ino dre ino sy ho haindrareo atao. 21[ Fagnamariha: Gny dika-zaka taloha soa indrindra dra sy ahita gny ho fa itiho karaza devoly itiho dra sy miboaky raha sy miaraky amy vavaky vo fifalian-kany.'']22Raha nipetraky tagny Galilia ereo,dra hpy Jesosy tamin'ereo ho:''Gny Zanak'olo dra hatolosy eo an-tagnan'olo,23dra ereo hamono Anazy,dra gny andro fahatelo dra hasanga Izy.''Lasa nalahelo tateraky reo mpianasy.24Gny fa avy tagny Kaperinomy ereo,dra nagneo amin'i Petera gny lelahy ze namory gny hetra asasaky gny sekely dra nizaka ho:''Sy mandoa gny hetra asasaky gny sekely se gny mpampianasindrareo?''25Ho izy ho:''Eka .''Fa gny nilisy tao an-tragno Petera,dra Jesosy aloha gny nirezaky taminazy dra nanao ho:''Ino gny eriserisinao,ry Simona?Reo pzaka eta an-tany,aby amin'iza gny andraisan'ereo hetra dre hitran'olo? Laha tamin'ereo vahoakany se sa laha tamin'ereo vahiny?''26Gny fa nizaka Petera ho:''Laha tamin'ereo vahiny,''Dra hoy Jesosy taminazy ho:''Dra afaky amy fandoava anizay reo vahoaky.27Fa ba sy hampanota asika gny mpamory hetra,dra mandehana agny amy ranomasy,manoraha fita ao,dra alao gny fia ze miakasy volohany.Gny fa voasokasinao gny vavany,dra hahita sekely anao.Alao zay dra omeo reo pamory hetra ho Anahy vo ho anao.''
Chapter 18

1Tamin'izay fotoa zay avo dra avy teo amin'i Jesosy mpianany dra nizaka ho:''Iza gny lahibe indrindra agny amy fazaka gny lagnisy?''2Jesosy nitoka zaza masaiky ho eo aminazy,nametraky anazy teo amin'ereo,3dra nizaka ho:''Zakako mary amindrareo,fa raha sy miova manahaky reo zaza masaiky andrareo, dra sy hisy hevisy gny hilindrareo agny amy fazaka gny lagnisy.4Noho zay,dre iza dre iza manolo-vata manahaky gny zaza masaiky itiho dra lahibe indrndra izy agny aminigny Fazakanigny lagnisy.5Dre iza dre iza mandramby gny mota manahaky anizao amy agnarako dra mandramby Anazy.6Fa dre iza dre iza mahavy gny raiky amin'ireo mota tahoky ze mino Anahy hanota,dra ho soasoa ho anahy gny hiatognanigny fikosoham-bary lahibe eo amy vozony,dra haletiky agny amy ranomasy laliky izy.7Loza ho an'izao totolo zao nohony gny fotoany gny fanafitohigna!Fa taliavy gny ahavy anizay fotoa zay,nefa loza ho agny olo ze niavian'izay fotoa zay! 8Raha miteraky fanafitohigna ho anao gny tagnanao dre gny tombonao,dra tapaho zay dra alao eo aminao. Soasoa ho anao gny milisy kilemay dre mandringa agny amy fiaigna mandrakizay noho gny ho levo agny aminigny afo sy mety maty amy fanagna tagna ro na tomboky ro.9Raha miteraky fanafitohigna ho anao gny masonao raiky,homboty zay dra alao aminao eo. Soasoa ho anao gny milisy agny amy fiaigna mandrakizay miaraky amy maso ila noho gny ho levo agny aminigny afo sy mety maty miaraky amy maso ro.10Tandremo sy hanao sinosino reo zaza maliniky reo andrareo.Fa mizaka amindrareo Zaho fa agny an-dagnisy reo azeliny dra magnety avo gny endriky gny rako ze agny an-dagnisy .11[ Fanamarigna: Gny dika-zaka taloha soa be dra sy ahita gny fehezateny ze miseho manahaky gny v.11.ho:''Fa gny Zanak'olo dra avy ba hamozy ze levo.'']12Ino gny eriserindrareo? Raha misy mana agn'ondry zato,dra mandeha aminigny tokony sy handehany gny raiky amin'ireo,dra sy hagnenga gny sivy amby sivifolo eo amy avoa se izy dra andeha hitalia gny raiky ze nandeha aminigny tokony sy andehanany? 13Raha hitany zay,dra zakako mary amindrareo,fa mifaly amin'izay mihoasy noho reo sivy amby sivifolo ze sy levo amy lala-diso izy.14Manahaky anizay avo ko,sy sitrany gny Randrareo agny an-dagnisy gny hahalevo gny raiky amin'ireo maliniky reo.15Raha manota aminao gny rahalahinao,mandehana dra zakao anazy gny hadisoany,aminao izy raiky avo.Raha miteno anao izy ,dra hifakahazo amy rahalahinao draiky anao.16Kanefa raha sy miteno anao izy,dra mangala raiky na ro hafa miaraky aminao,amin'izay ba amy vavan'ereo vavolombelo ro dre telo gny ahafaha magnamary gny zaka aby.17Dra raha manda gny hiteno anazy reo izy, dra zakao amy fiangona gny raha misy.Raha sy mety hiteno gny fiangona avo koa izy,dra angao izy hanahaky gny zetilisa vo gny mpamory hetra.18Zakako mary amindrareo ,dre ino dre ino fehezindrareo etiho an-tany dra ho fehizindrareo agny an-dagnisy; dre ino dre ino avelandrareo eto an-tany dra ho voavela agny an-dagnisy.19Dra bo zakako amindrareo draiky ho:''Raha misy ro amindrareo mety eto an-tany gny amin'izay ze angatahan'ereo,dra ho atao ho anazy reo zay amy alalanigny Rako ze agny an-dagnisy.20Fa dre iza misy ro na telo miaraky mivory aminigny Agnarako,dra eo agnevon'ereo eo Zaho.''21Laha teo nagnato Petera dra nizaka tamin'i Jesosy ho:''Topo,ipiry hanota aminahy gny rahalahiko dra hamela anazy zaho? Hatramy ipito se?''22Jesosy nizaka anazy ho:''Sy mizaka aminao zaho ho ipito,fa hatraminigny fitopolo ipito.23Noho zay gny fazaka gny lagnisy dra mitovy amy pazaka raiky ze tehifandamy ara-bola miaraky amin'ereo mpanompony.24Raha vao nanomboky gny fandamina izy,dra nisy panopo raiky nandesiny teo aminazy ze nanagnany taleta raiky .25Nefa sy nana fomba handoava anizay izy,dra nandidy gny hamarota anazy gny topony,miaraky amy valiny vo reo zanany dra ze hanagnany aby,dra ho vita gny fandoava-trosa.26Noho zay dra nihondriky gny mpanompo,dra nandohaliky teo alohany,dra nizaka ho:Topo,managna fahareta aminahy ,dra haloako aminao gny raha iaby.'27Noho zay gny topon'izay panopo zay,dra omeny,dra nagnafaky anazy dra nagnenga gny trosa taminazy.28Fa niboaky io panopo io dra nahita gny raiky tamin'ereo piara-manopo aminazy,zay nanagnany dinaria zato. Nisamboriny izy ,nirambesiny tamy vozony,dra nizaka ho:'Avaho aminahy ze nitrosanao.'29Nefa niondriky io piara-manopo aminazy io dra nandohaliky taminazy,nanao ho:''Mahalignasa anahy,dra haloako aminao zay.''30Kanefa nanda gny panopo volohany. Mifanohisy amin'izay, nandeha izy dra nataony tagny ampigadra gny piara-manopo aminazy mandra-pahaloany ze nitrosany. 31Gny fa nahita ze niseho reo piara-manopo aminazy,dra nalahelo vatany ereo. Nandeha dra nizaka taminigny Topony iaby ze niboaky ereo.32Laha teo nitoka anazy gny topon'io panopo io,dra nizaka anazy ho:''Ianao ry panopo rasy fagnahy,nagnenga gny trosa iaby taminao zaho satria anao nandohaliky taminahy.33Sy tokony hana famindram-po amy piara-manopo aminao seky anao,manahaky gny nanagnako famindram-po taminao?'34Ory gny topony dra ninday anazy tagny amin'ireo papizaly mandra-pahaloany ze nitrosany iaby.35Manahaky anizay avo koa gny ho ataony Rako agny an-dagnisy amindrareo,raha sy magnenga gny rahalahiny aminigny fony gny kirairaiky aby andrareo.''
Chapter 19

1Dra gny fa nahavita gny zaka reo Jesosy,niala tagny Galilia Izy,dra nagnagny amy farisin'i Jodia ze tany andafinigny renirano gny Jordana.2Boroza maro gny nagnaraky Anazy,dra nagnasitra anazy reo tagny Izy.3Nagnato Anazy reo fariseo,nisapa Anazy,nizaka taminazy ho:''Ara-dalana ho agny lelahy seky gny misaraky amy valiny noho ze mety ho atony aby?''4Jesosy namaly dra nizaka ho:''Sy nivakindrareo seky fa Izy ze nanao anazy reo taminigny valohany dra nanao anazy reo ho lahy vo ampela?5Izy ze nanao anazy dra nizaka avo koa ho:'Fa noho zay atony zay dra hagnenga gny rany vo reniny gny lelahy dra hikamba amy valiny ,dra ho lasa nofo raiky izy ro?' 6Dra sy ho ro sasy ereo,fa ho nofo raiky.Dra ze natambasin'Agnahary,ao sy hisy hagnasaraky.''7Ho izy reo taminazy ho:''Nanao akory zay Mosesy gny mandidy anay hagnome taratasy fanamarignam-pisaraha dra laha teo hahery aminazy?''8Ho Izy tamin'ereo ho:''Fa gny hamafisam-pondrareo gny namelan'i Mosesy andrareo hisaraky amy valinadrareo,fa tamy volohany dra sy zay gny fomba.9Zakako andrareo, dre iza dre iza misaraky amy valiny,afa-sy noho gny fizangazanga,dra manambaly hafa,dra magnisakisaky ampela ze fa nisara-baly dra mizangazanga.''10Reo mpianasy nizaka tamin'i Jesosy ho:''Raha zay gny toetrany lelahy ami valiny,dra sy soa gny manambaly.''11Fa Jesosy nizaka tamin'ereo ho:''Sy gny olo aby gny afaky magneky anizay fampianara zay,fa reo ze nanga hagneky anizay avo. 12Fa misy gny olo reo ionoka ze fa manahaky anizay hatrany an-tron-drenin'ereo,dra misy reo ionoka ze nataon'olombelo,dra misy ionoka ze manao gny vatan'ereo ho ionoka noho gny fazaka gny lagnisy. Izy ze afaky mandramby anizay fampianara zay,ao izy handramby anizay.''13Laha teo nisy mota maliniky sasasasny nandesiny teo aminazy ba hametrahany tagna amin'ireo dra hivavaky,fa nizaka fatrasy anazy reo gny mpianasy.14Hoy Jesosy ho:''Angao gny zaza maliniky,dra ka rara ereo hamozy anahy,satria gny fazakanigny lagnisy dra manahaky anazy reo.''15Napetrany teo amin'ereo zaza gny tagnany,dra laha teo niala teo Izy.16Indro,nisy lelahy nagnato an'i Jesosy dra nizaka ho:''Mpampianasy ,ino gny raha soa sy maisy ataoko ba hahazoako gny fiagna mandrakizay?''17Jesosy nizaka taminazy ho:''Nanao akory anao gny manotany momba ze soa atiho aminahy? Raiky avo gny soa,fa raha te-hilisy agny amy fiaigna anao,dra tandremo reo didy.''18Hoy gny lelahy taminazy ho:''Didy ino?''Dra hoy Jesosy ho:''Ka mamono olo, ka mizangazanga,ka mangalasy,ka mety vavolombelo diso,19hazao gny ranao vo gny reninao,dra tiavo gny mpiara-belo aminao manahaky gny vatanao.''20Gny zatovo nizaka taminazy ho:''Fa nakatoaviko aby avo koa zay.Ino gny bo taliaviko?''21Jesosy nizaka taminazy ho:''Raha magniry gny ho tonga lafasy anao,dra mandehana,havilio ze anagnanao,dra omeo gny mizaly ,dra hana hanagna agny an-dagnisy anao;dra avia,magnaraha Anahy.''22Fa gny nahare ze nizakan'i Jesosy gny zatovo,dra niala tamin'alahelo izy,satria nana fanagna maro.23Hoy Jesosy tamin'ireo mpianasy ho:''Zakako mary amindrareo, sarosy ho agny mpagnarivo gny hilisy gny fazaka gny lagnisy.24Dra bo zakako amindrareo draiky , moramora ho agny rameva gny milisy amy forim-pajaisy toy zay ilirany mpagnarivo ao amy fazakan'Agnahary.25Gny fa nahare anizay reo mpianasy,dra tena nalazo vatany dra nizaka ho:''Iza gny afaky ho voze?''26Nagnety anazy reo Jesosy dra nizaka ho:''Amin'olo ddra sy hay atao zay,fa amin'Agnahary gny raha-iaby dra azo atao.''27Laha teo Petera namaly dra nizaka ho:''Indro,nangany gny raha-iaby dra nagnaraky Anao zahay. Ino gny ho azonay?''28Jesosy nizaka anazy reo ho:''Zakako mary amindrareo,amy vanim-potoa vaovao gny fa mipetraky eo amy seza fiandriana gny voninahiny gny Zanak'olo,dra hipetraky eo amy seza fiandriana ro amby folo avo andrareo ze nagnaraky Anahy,hisara reo foko ro ambiny folon'Israely.Gny olo aby nagnenga tragno,rahalahy,anabavy,ra,reny,zanaky,dre tany noho gny agnarako,dra handramby agn'abo zato heny dra handova fiaigna mandrakizay.30Fa maro reo ze volohany ho lasa farany,dra gny farany ho volohany.
Chapter 20

1Fa gny fazaka gny lagnisy dra manahaky gny topon-tany ze nandeha vao maraindraim-be hagnakara piasa ho agny tanim-bolobony.2Gny fa avy nifagnaraky tamin'ereo piasa izy fa ho denaria raiky isan'andro gny karamman'ereo,dra nalefany tagny amy tanim-bolobony ereo.3Niboaky draiky izy tamy lera fahatelo dra nahita piasa hafa nisangasanga tao an-tsena.4Ho izy tamin'ereo ho: Andrareo koa,mandehana agny amy tanim-boloboky,dra ze an-kevony mary dra homeko andrareo.'Dra nandeha niasa ereo.5Bo niboaky draiky izy teo ho eo amy lera faheny dra tamy lera fahasivy,dra nanao manahaky anizay avo. 6Tamy lera faharaiky amby folo dra niboaky piasa hafa nisangasanga .Ho izy tamin'ereo ho:''Nanao akory andrareo gny misanga eto mandrisy gny andro raiky?'7Ho izy reo taminazy ho:'Sy misy olo magnakarama zahay.' Ho izy tamin'ereo ho:'Andrareo avo koa mandehana agny amy tanim-boloboko.'8Gny fa avy gny hariva,dra nizaka tamy mpitandrin-draharahany gny toponigny tanim-boloboky ho:'Tokavo reo piasa dra haloavo gny karaman'ereo,manomboky laha tamy farany magnygny amy volohany.'9Gny fa avy reo piasa ze nala tamy lera faharaiky ambiny folo,dra nahazo denaria kirairaiky aby ereo.10Gny fa avy reo piasa volohany,dra nihevisy fa ahazo mihoasy ereo,kanefa ereo avo koa dra nahazo dinaria kirairaiky aby.11Gny fa nahazo gny karamany ereo,dra nitaray momba gny topon-tany ereo.12Ho izy reo ho:'Reo piasa farany reo dra niasa lera raiky avo,nefa dra nampitovizinao taminay ereo,zahay ze nisaka gny vesasy gny totolo andro vo niharisy taninandroky.'13Fa namaly gny topon-tany dra nizaka tamy raiky tamin'ereo ho:'Ry sakaiza,sy manao ze sy mety aminao zaho.Sy denaria raiky seky gny nifagnarahanao taminahy?14Rambeso ze anao dra zory gny lalanao.Zaho dra nifily gny hagnome ho an'ereo piasa nikarama farany manahaky gny anao avo.15Sy mana-zo hanao araky ze tiako amin'izay anahy seky zaho?Sa mialo se andrareo satria malala-tagna zaho?'16Dra gny farany dra ho volohany,dra gny volohany ho farany.''[ Fagnmariha: Gyn dika-zaka taloha soa indrindra dra mangalaky gny ho:''Maro gny nitokavy fa keliky gny voafily.'']17Raha hiala ho agny Jeresalema Jesosy, dra nangalaky gny ro ambiny folo teo agnilany Izy,dra tegny an-dala Izy nizaka tamin'ereo ho:18''Indro,hiakasy ho agny Jeresalema isika,dra gny Zanak'olo dra hanolosy eo amy loha gny mpisoro vo reo mpanora-dala.Izy reo dra hagnameloky anazy ho maty 19dra hanolosy Anazy amin'ereo Zetilisa ba hiomeheza, ho tera,dra hanomboha Anazy amy hazofizalia.Fa amy andro fahatelo dra hasanga draiky Izy.''20Laha teo renen'ereo zanadahin'i Zebedio nagnato an'i Jesosy niaraky tamin'ereo zanadahiny. Nandohaliky teo anatrehany izy dra nangataky raha laha taminazy.21Hoy Jesosy taminazy ho:''Ino gny irinao?''Ho izy taminazy ho:''Mandidia ba hipetrahan'itaho zanako ro lahy tahoky,gny raiky eo an-tagnano ankavana dra gny raiky ro an-tagnanao ankavia,ao amy fazakanao.''22Fa Jesosy namaly dra nizaka ho:''Sy fatasindrareo gny raha angatahindrareo. Afaky gny hino gny kapoaky ze ho nomiko se andrareo?''Namaly ereo ho:''Afaky zahay.''23Ho Izy tamin'ereo ho:''Hino gny kapoako tokoa andrareo.Fa gny hipetraky veo an-tagnako ankavanako vo ankaviako dra sy azarako gny magnome,fa an'ereo ze fa nomanigny Rako.''24Gny fa nahare anizay reo mpianasy folo lahy hafa,dra ory fatrasy tamin'ereo mpirahalahy ro.25Fa Jesosy nitoka anazy reo hagneo aminazy dra nizaka ho:''Fatandrareo fa reo mpanapak'ireo Zetilisa dra hagnalaibe anazy reo,dra gny lelahy mana-dazan'ereo dra hapiasy gny fahefany eo amin'ereo.26Fa sy tokony ho manahaky anizay gny amindrareo.Mifanohisy amin'izay ,dre iza dre iza magniry gni ho lasa lahibe amindrareo dra sy maisy ho mpanompondrareo,27dre iza dre iza magniry gny ho volohany eo amindrareo dra sy maisy ho panopondrareo,28tahaky gny Zanak'olo sy avy ho topo,fa ho avy hanopo,dra hagnome gny ainy ba ho vilim-pagnavosy ho agny maro.''29Raha niboaky laha tagny Jeriko ereo,dra vahoaky maro gny nagnaraky Anazy.30Nisy lelahy poaky ro nipetraky teo amoron-dala.Gny fa nahare fa miriosy Jesosy,dra nikoraky fatrasy ereo ho:''Topo,zanak'i Davida ,mamindra fo aminay''.31Nagnahy anazy gny vahoaly,nizaka anazy reo ba hangy,kanefa vao maiky ereo nitokatoka fatrasy ho:''Topo,zanak'i Davida ,mamindra fo aminay.''32Lala teo Jesosy nizano dra nitoka anazy reo sady nizaka ho:''Ino gny irindrareo ho ataoko amindrareo?''33Ho izy ereo taminazy ho:''Topo,ba hahrasy gny masonay'' 34Laha teo Jesosy,nangoraky, dra nisampa gny mason'ereo.Dra avy dra nahirasy ereo dra nagnaraky Anazy.
Chapter 21

1Raha nagnato an'i Jeresalema Jesosy vo gny mpianany dra nagnao Betifaga,agny an-dohambohisin'i Oliva,dra nandefa mpianasy ro Jesosy,2nizaka tamin'ereo ho:''Mandehana ao amin'izay vohisy magnaraky ao,fa eo no eo andrareo dra hahita boriky mifehy dra zana-boriky raiky miaraky aminazy.hahao ereo dra andeso atiho aminahy.3Raha misy mizaka andrareo momba anizay,dra zakao ho:'Misy italiaviny Topo anazy reo,'dra eo no eo zay olo zay dra handefa anazy reo miaraky amindrareo.''4Dra nisy zay ba hahatateraky ze nambara taminigny alalany mpaminany.Ho izy ho:5''Zakao gny zanakapelan'i Ziona ho:'Indro.gny Pazakanao magnato anao,Manolon-vata dra mitikisy boriky zana-boriky lahy.'''6Laha teo dra lasa reo mpianasy dra nanao araky ze nandidian'i Jesosy anazy reo.7Nandesin'ereo gny ampondra vo gny zana-boriky dra nametraky gny lamban'ereo teo aminazy,dra nipetraky teo aminigny lamba Jesosy.8Gny mhamaroany gny vahoaky dra namelasy gny lambany tamy tany ,dra reo hafa nanapaky sampan-kazo dra nagnaparitaky anizay tamy lala.9Laha teo reo vahoaky nialuha an'i Jesosy vo reo ze nagnaraky anazy nareviky ho:''Hosana ho agny Zanak'i Davida! Isaora gny avy amy agnarany Topo!Hosana agny amy avo indrindra!''10Gny fa nilisy tao Jerosalema Jesosy,dra nikoraky gny ray tana dra nanao ho:''Iza moa io?''11GNy vahoaky namaly ho:''Izy gny Jesosy mpaminany laha tagny Nazareta agny Galilia.''12Laha teo nilisy tao ampengana Jesosy. Niroahiny avo koa reo pivily vo pivarosy tao ampengona,dra navaliny gny latabasin'ereo mpanakalo vola vo gny fipetrahan'ereo pivarosy voromalala. 13Ho Izy tamin'ereo ho:''Fa voasorasy ho:'Gny tragnoko dra natao tragno fivavaha,'kanefa ataondrareo zohy fierenigny malaso.''14Nony laha teo dra nisy poaky vo mandringa nagnato Anazy tao ampengona,dra nisitraniny ereo.15Fa noho nahita gny raha-mahalasa nataony gny lahibeny mpisoro vo gny mpanora-dalana,dra gny fa ren'ereo gny mota maliniky nikoraky tao apengona ho:''Hosana ho agny zanak'i Davida,''dra ory fatrasy ereo.16Ho izy reo taminazy ho:''Rendrareo se zalan'ereo olo reo?''Namaly anazy reo Jesosy ho:''Eka! Fa sy bo nivakindrareo mihisy seky gny ho:'Laha tamy vavanigny mota maliniky vo gny zaza minono gny nandavorariandrareo gny fodera?''17Laha teo niriosy anazy reo Jesosy dra nandeha tagny amy tanan'i Betania dra nitoesy tao hatra amy hariva.18Dra nony maray raha nihery tagny an-tana Izy,dra resy.19Nahita azon'aviavy tegny amoron-dala,dra nagnato tegny Izy dra sy nahita dre ino dre ino teo afa-sy gny raviny.Ho Izy taminazy ho:''Ao sy hisy tegnany sasy laha taminao mandrakizay,''dra niaraky tamin'izay dra maiky gny raviny.20Gny fa nahita anizay reo pianasy ,dra gaga ereo dra nizaka ho:''Nanao akory gny dra havy maiky itiho aviavy itiho?''21Namaly Jesosy dra nizaka anazy ho:''Zakao mary amindrareo,raha manam-pinoa vo sy misy fisalasala andrareo,dra sy ze natao tamin'io aviavy io avo gny hataondrareo,fa dre dra hizaka amin'itho vohisy itiho ho:'Mionga dra ho lavo agny an-dranomasy',dra ho atao anizay.22Dre ino dre ino angatahindrareo am-bavaky,am-pinoa,dra ho azondrareo.''23Raha nilisy tao apengona Jesosy,dra nagnato Anazy gny lahibeny gny mpisoro vo gny zokiolo raha nampianasy Izy dra nizaka ho:''Fahefa laha teza moa gny anovanao raha reo,dra iza gny nagnome anao anizay fahefa zay?''24Namaly Jesosy dra nizaka tamin'ereo ho:''Hametrahako fagnontania raiky avo koa andrareo.Raha zakandrareo aminahy,dra ho zakako amindrareo gny fahefa anovako anio raha io.25Gny batisan'i Jaona -laha teza gny niaviany?Laha tagny an-dagnisy sa laha tamy olombelo?''Nialy hevisy ereo ,nanao ho:''Raha mizaka isika ho,'Laha tagny an-dagnisy,'Izy hizaka amisika ho:'Fa nanao akory andrareo gny sy nino anazy?'26Fa raha mizaka isika ho:'Laha tamy olombelo',matohosy gny vahoaky isika,satria izy iaby dra mihevisy an'i Jaona tahaky gny paminany''. Dra namaly an'i Jesosy ereo dra nizaka ho:''Sy fatanay.''27Dra ho Izy avo koa tamin'ereo ho:''Izaho avo koa dra sy hizaka amindrareo ho laha teza gny fahefa anovako anio raha io.28Fa nanao akory gny hevisindrareo? Nisy lelahy raiky nana zanadahy ro.Nandeha nagnagny aminigny volohany izy dra nanao ho:'Anaky,mandehana miasa agny amy tanim-boloboky androany.'29Gny zanadahiny namaly anazy ho:''Sy ho agny zaho,''fa laha teo dra nagnagny aminigny faharo izy dra nizaka tahaky anizay avo koa. Namaly izy dra nizaka ho:''Ho agny zaho,topoko,'nefa sy nagnagny izy.31Iza tamin'ereo zanany ro reo gny nanao gny sitrapony rany?''Dra ho izy reo ho:''Gny volohany.''Jesosy nizaka anazy reo ho:''Zakako mary amindrareo,reo pamory hetra vo reo pivaro-tegna dra hilisy gny Fazakan'Agnahary alohandrareo.32Fa Jaona nagnatao andrareo tamy fahamarigna,fa sy nino anay andrareo.Fa reo mpamory hetra vo pivaro-tegna nino anazy.Fa andrareo, dre dra nahita anizay avo,dra sy nibebaky vo sy nino anazy.33Tenoy itiho fagnohara raiky hafa itiho.Nisy lelahy raiky,topo tany. Nanao tanim-bploboky izy,nifefeny zay,nandavahany famiazana tao agnatiny,nananganany fiangona,dra napanofany tamin'ereo pamboly voloboky.Laha teo dra nagnagny amy tana hafa izy.34Raha nagneky gny taom-pahamokara,dra nagniraky gn'ilany tamin'ereo panopo izy ho agny amin'ireo pamboly voloboky hangalaky gny vokasy.35Fa nisamborin'ereo pamboly voloboky reo panopony,nizerany gny raiky,nivonony gny hafa,dra bo nitorahiny gny hafa vato.36Dra bo, nandefa panopony hafa draiky gny topon-tany,maro noho gny tamy volohany,fa nataon'ereo manahaky anizay avo koa.37Tafaran'izay,dra nagniraky gny zanany lahitoka tagny amin'ireo gny topon-tany,nizaka ho:''Hagnaza gny zanako ereo.'38Gny fa nahita gny zanadahiny reo pamboly voloboky,dra nifampiresaky ereo ho:'Itiho gny mpandova.Andeha, ho vonosika izy dra ho alasika gny lova.'39Noho zay dra nisamborin'ereo izy,natorany tao agnatinigny tanim-boloboky dra novonony.40GNy fa avy gny topo gny tanim-boloboky,ino gny ho ataony amin'ereo pamboly voloboky?''.41Ho izy reo taminazy ho:''Ho ringaniny amin'izay fomba fatrasy indrindra reo olon-doza,dra laha teo hapagnofany amin'ereo pamboly voloboky hafa gny tanim-boloboky, olo hagnome anazy gny azarany voliny amy fotoam-pamokara.''42Jesosy nizaka tamin'ereo ho:''Sy bo namaky gny Sorasy Masy draiky seky andrareo ho :'Gny vato nihalany mpagnori-tragno gny natao vato fehizoro.Laha tamy Topo zay,dra mahatalazo eo amasosika'?43Noho zay zakako amindrareo,alao amindrareo gny fazakan'Agnahary dra hatolosy gny firenena ze mamokasy reo tegnagny.44Dre iza dre iza lavon'io vato io dra ho torotoro.Fa zay hilavoany koa dra ho rava.''45Gny fa nahare gny fagnohara reo gny lahibeny pisoro vo reo Fariseo dra azon'ereo fa mahakasiky anazy reo gny resahiny.46Nilasa gny hanambosy Anazy,saiky natahosy gny vahoaky ereo,satria nataony olo ho paminany Izy.
Chapter 22

1Nizaka tamy fagnohara tamin'ereo draiky Jesosy,nanao hô:2''Gny fazakany lagnisy dra mitovy amy pazaka ze nagnoma fanasa amy fagnakaram-baly ho agny zanadahiny.3Nagniraky reo mpanompony hitova reo ze nahazo fanasa hagnatriky gny feti-fagnakaram-baly izy,fa sy mety ho avy ereo.4Nandefa gny panopony hafa draiky gny pazaka,manao hô:'Zakao reo ze nasa hô:''Hatio,fa nikarakarako gny haniko.Fa nivono gny agn'omby vo gny zanakagn'omby mifahiko,dra fa vono gny raha-aby.Miavia ao amy feti-fagnakaram-baly.''5Fe sy nahoan'ereo dra lasa nandeha,gny draiky namozy gny toera-fitezany,gny hafa tamy famarotany.6Gn'ilany nanambosy reo panopony pazaka, nangala baraka anazy reo,dra namono anazy reo.7Ory gny pazaka dra nagniraky reo miaramilany, dra namono mpamono olo ereo.dra nagnoro gny tagnany.8Laha teo nizaka tamin'ereo panopony izy hô:'Fa vono gny fangala-valy,fa reo ze nasa gny sy mendriky.9Noho zay mandehana egny amy sapagnan-dalambe dra manasa olo maro araky ze hitandrareo ho ao amy feti-fagnakaram-baly.'10Nandeha niboaky tagny amy lalam-be reo panopony dra nanambasy gny olo ze hitan'ereo iaby,dre gny soa dre gny rasy.Noho zay dra feno vahiny gny efi-tragno lahibe nisy gny fagnakaram-baly.11Fa gny nilisy gny pazaka ba hagnety reo vahiny,dra nahita lelahy sy niakazo amy fandesy fagnakaram-baly. 12Nizaka taminazy gny pazaka ho:'Ry sakaiza,nanao akory gny iliranao ato sy miaraky amy ankazo fandesy amy fagnakaram-baly?'Fa sy nahafizaka gny lelahy.13Laha tro nizaka tamin'ereo panopony gny pazaka hô:'Fehezo gny tagnany vo gny tombon'itiho lelahy itio,dra hatorao agny amy mezy agny ambaliky izy,agny gny misy fitomagnia vo fikotroha-nify.'14Fa olo maro nitokavy,nefa keliky gny ho voafily.15Laha teo nandeha reo Fariseo dra nagnoma gny fomba mety hamandriha an'i Jesosy amin'izay nizakany.16Laha tep nirahin'ereo hagnagny aminazy reo mpianasin'ereo, niaraky tamin'ereo Herodiana.Nizaka tamin'i Jesosy ereo ho:''Ry papianasy,fatasinay fa mary anao,dra mapianasy gny lalan'Agnahary amy mary.sy miraharaha gny hevisiny gny hafa anao,dra aminay,ino gny hevisinao?Ara-dalana se gny fandoavan-ketra agny amin'iKaisara sa sy ara-dalana?''18Nefa azon'i Jesosy gny faharasian'ereo dra nizaka hô:''Nanao akory gny misapa Anahy andrareo,ry pihasaravelasiny?19Aboaho Anahy gny farasa amy hetra.''Laha teo ninday denaria teo amin'ereo.20Hoy Jesosy tamin'ereo hô:''An'iza itiho sary vo agnara itiho?''21Nizaka taminazy ereo hô:''An'i Kaisara.''Laha teo Jesosy nizaka anazy reo hô:''Omeo an'i Kaisara reo ze an'i Kaisara,dra an'Agnahary reo ze an'Agnahary.''22Gny fa nahare anizay ereo,dra gaga.Dra niala teo aminazy ereo dra nandeha.23Tamin'izay andro zay avo gny Sadoseo gn'ilany,reo nizaka fa sy misy fisangana amy maty,nagnato Anazy.Nagnato Anazy ereo,24nanao hô:''Ry papianasy,Mosesy nizaka hô:'Raha maty gny olo,sy mana-zanaky,dra tokony hanambaly gny valiny gny rahalahiny dra hana-zanaky ho agny rahalahiny.25Nisy pirahalahy fito.Nanambaly gny volohany dra maty laha teo.Lasa sy nagnenga zanaky,nagnenga ho agny rahalahiny gny valiny.26Laha teo nanao raha mitovy amin'izay gny faharo,laha teo gny fahatelo,manahaky anizay sisy hatra aminigny rahalahy fahafito.27Tafaran'izay dra maty gny ampela.28Dra amy fisanganany maty ,ho valin'iza amin'ereo pirahalahy fiti izy? Fa nanambaly anazy iaby reo.''29Fa namaly Jesosy dra nizaka anazy reo hô:''Diso andrareo,satria sy mahafatasy gny Sorasy Masy dre gny herin'Agnahary.30Fa amy fisangana gny maty dra sady sy hanambaly ereo gny sy ome ankary.Fa mitovy amin'ireo azely agny an-dagnisy.31Fa mahakasiky gny fisangana gny maty, bo sy nivakindrareo se ze nizakan'Agnahary tamindrareo,manao hô:32'Izaho gny Zagnaharin'i Abrahama,Zagnaharin'Isaka,dra Zagnaharin'i Jakoba'? Zagnahrary dra sy Zagnahary gny maty,fa agny velo.''33Gny nahare anizay reo vahoaky,dra nalazo tamy fampianarany.34Fa gny ren'ereo Fariseo gny nampanginan'i Jesosy gny Sadoseo, dra nira-nivondro ereo. 35Gny raiky tamin'ereo,mpahay lalana,nametra-panotania taminazy,nangalaky fagnahy Anazy hô:'v 36''Ry papianasy,iza gny lahibe indrindra amy didy ao amy lalana?''37Nizaka taminazy Jesosy hô:''Tiavo amy fondrareo aby,amy fagnahindrareo aby,dra amy saindrareo aby gny Topo Zagnaharindreo.'38Zay gny didy lahibe vo volohany.39Dra gny didy faharo dra tahaky anizay avo. 'Tiavo gny piara-belo amindrareo tahaky gny vatandrareo.'40Amin'ereo didy ro reo gny iakinanigny lalana manotolo vo reo paminany.''41Dra raha bo niara-nivondro reo Fariseo,dra nametra-panotania anazy reo Jesosy.42Ho Izy ho:''Ino gny eriserindrareo momban'i Kristy?Zanadahin'i Izy?''Nizaka taminazy reo ho:''zanak'i Daviada.''43Hoy Jesosy tamin'ereo ho:''nanao akory dra Davida mitoesy ao amy Fagnahy gny mitoka anazy ho Topo,manao ho:44'Gny Topo nizaka tamy Topoko hô:''Mipetraha eo amy tagnan'ankavanako,mandra-panaoko gny fahavalondrareo ho mpisi-tombonao?''45Raha Davida avo mitoka an'i Kristy hô:'Topo,'dra nanao akory gny maha-zanak'i Davida Anazy?''46Sy nisy nahavaly Anazy taminigny zaka,dra sy nisy olo nahavany nametra-fanontania hafa sasy nanomboky tamin'izay andro zay.
Chapter 23

1Dra Jesosy nizaka tamin'ereo vahoaky vo reo mpianany.2Ho Izy ho:''Reo mpanora-dalana vo fariseo dra mipetraky eo amy fipetranan'i Mosesy.'3Noho zay dre ino dre ino handidian'ereo andrareo ho atao,dra atovy avo dra mitandrema anazy rewo.Fa ka ala tahaky gny asan'ereo,satria ereo dra mizaka raha nefa laha teo sy manao anizay.4Egny ,fehezin'ereo gny eta-mavesasy ze sarosy andesy,dra laha teo dra apetrakin'ereo eo amy soroky gny olo.Fa sy hagnesiky gny rasa-tagna raiky avo gny vatan'ereo ba hinaday anazy reo. 5Manao gny asany ereo aby ba ho hitan'olo.Fa ataon'ereo malalaky gny filakiterany,dra itarin'ereo gny moron'ankazony.6Tian'ereo gny toerany mana-kaza agny amy fanasa vo gny toera gny lahibe ao amy Synagoga,7vo gny fiarahaba miavaky egny an-tsena,dra ba ho tokavin'olo ho;'Raby'.8Fa andrareo sy azo tokovy hô:'Raby', fa raiky avo gny mpampianasindrareo,dra pirahalahy andrareo aby.9Dra ka mitoka gny olo etyho an-tany ho randrareo,fa raiky avo gny Randrareo,dra Izy dra agny an-dagnisy.10Andranreo ka mety tokavy ho:'Papianasy',fa raiky avo gny papianasindrareo,fra i Krsity.11Fa ze lahibe indrindra amindrareo gny ho panopondrareo.12Dre iza dre iza manandra-tegna dra ahetry (atao ambany) dre iza dre iza manolo-vata dra hasandrasy.13Fa loza hô andrareo ,ry mapora-dalana vo fariseo,pihasaravelasihy!Fa arindrindrareo amy olo gny fazaja gny lagnisy.Fa andrareo sy mapilisy gny vatandrareomdra sy hangandrareo reo ze mitalia hilisy.14[ Fanamariha:Gny atota-taratasy taloha dra sy ahita gny fehezateny hô:'Fa loza ho andrareo,ry panoran-dalana vo gny fariseo,pihasaravelasihy! Fa mandany gny tragnony pinday vata,dra manao vavaky lava andrareo.Noho zay dra hahazo fagnahia lahibe andrareo.'] 15Loza ho andrareo,ry panoran-dalana vo fariseo,phasaravelahisy! Fa nandeha mitety gny ranomasy vo gny tany andrareo ba hapiova fo gny olo raiky,dra gny fa miova izy,dra ataondrareo gny zanaky gny helo agn'abo ro heny mihoasy noho andrareo izy.16 Loza hô andrareo ,ry pitariky poaky,andrareo ze mizaka hô:'Dre iza dre iza miania amy fengona,dra sy misy dikany zay. Fa dre iza dre iza mianiana amy volamenany fengona,dra voafehy gny fiaignany izy.'17Andrareo ry poaky mola! Iza gny lahibe ,gny volamena sa gny fengona ze manao gny volamena masy?18Dre iza dre iza mianiana amy alitara,dra sy misy dikany zay.Fa dre iza dre iza agn'abonin'izay,dra voafehy gny fiaignany.'19Andrareo ry olo poaky! iza gny lahibe ,gny fagnatisy sa gny alitara ze manao gny fagnatisy ho masy?20Noho zay,ze miania amy alitara ,dra miania amin'izay vo amy raha eo agn'abony aby.21Gny raiky ze miania amy fengona,dra miania amin'izay vo amin'izay mony ao aminazy,22dra gny raiky ze miania amy lagnisy ,dra miania seza fiandrianan'Agnahary vo aminazy ze mipetraky eo agn'abonin'izay.23Loza hô andrareo,ry mpanora-dalana vo fariseo,pihasaravelasihy! Fa mandoa gny fahafolony solika vô gny aneta dra gny komina andrareo,fa andrareo dra sy nakato gny raharaha mavesa-daza igny amy lala-dra gny rariny vo gny famindram-po dra gny finoa.Fa reo gny tokony nataodrareo dra sy tokony nanganadrareo ho sy vita gny raiky hafa.24Andrareo ry pitariky poaky,andrareo ze maniva gny lagnisy nefa mitely rameva!25Laza hô andrareo,ry panora-dalana vo fariseo,pihasaravelasihy! Fa liovindrareo gny ao ambalikiny Kapoaky vo gny finga ,nefa gny ao agnatiny dra feno fisiririta vo gny fila.26Andrareo ry fariseo poaky!Liovy aloha gny ao agnatiny Kapoaky vo gny finga,ba ho lasa malio avo gny ao ambaliky.27Loza hô andrareo,ry panora-dalana vo fariseo,pihasaravelasihy! Fa andrareo dra tahaky gny lolo voalalosy fosy; ze soa ambaliky,fa gny ao agnatiny koa dra feno gny tolam-paty vo gny loto aby.28Manahaky anizay avo koa,etiho ambaliky drareo miboaky ho mary eo amy olo,nefa gny ao agnatindrareo dra feno fihasam-belasihy vo heloky.29Loza ho andrareo,ry panora-dalana vo fariseo,pihasaravelasihy! Fa magnory gny lolony paminany andrareo dra mampipozy gny lolon'olo-mary.30Ho andrareo hô:'Raha niay tamy androny razambesika isika,dra sy ho nandray azara niaraky tamin'ereo tamy fandasaha gny liony paminay isika'. 31Noho zay dra misanga vavolombelo amy vatandrareo andrareo fa zanak'ereo ze namono gny paminany.32Andrareo avo koa dra nahafeno gny fahotan'ereo razambendrareo 33Andrareo ry bibilava,andrareo ry taranaky gny menarana,nanao akory gny handosirandrareo gny fagnahia ho agny amy devoly?34Noho zay,indro,magniraky paminany vo olo-kendry dra panora-dalana ho andrareo Zaho.Gn'ilany amin'ereo dra ho vonondrareo; dra gn'ilany ho zerandrareo ao amy Synagogandrareo dra handroaky anazy hiala ao an-tana.35Gny vokasin'izay dra hahazo andrareo gny lio mary aby ze nalasaky teto an-tany,nanomboky tamy lion'i Zakaria zanak'i Barakia,ze nivonodrareo teo agnelagnelany fitoera masy vo gny Alitara.36Zakako mary amindrareo,fa gny raha dra ho avy amin'itoho taranaky itiho.37Ry Jerosalema,ry Jerosalema,anao ze mamono gny mpaminany vo mitora-bato ze irahy ho aminao! Ipiry Zaho gny magniry gny hamory gny zanakao miaraky,tahaky gny akoho vavy raiky mamory gny akoho kely ao ambany elany,nefa sy mety andrareo! 38Indr,gny tragnondrareo gny nanga ho lao ho andrareo.39Fa zakako amindrareo,hatram'izao,sy hahita Anazy tokoa andrareo mandra-pizakandrareo hô:'Isaora seky ze laha tamy agnarany Topo.'''
Chapter 24

1Niboaky gny fengona Jesosy dra lasa nandeha. Nagnato Anazy reo pianany ba hagnoroa Anazy gny rafisy gny fengona .2Nefa namaly Izy dra nizaka tamin'ereo hô:''Sy hitandreo se reo raha aby reo? Zakako mary amindrareo,sy hisy vato ho tavela na raiky hafa ze sy ho rava.''3Raha nipetraky teo an-dohambohisyn'oliva Izy,dra nagnato Anazy mangingiky reo mpianany dra nizaka ho:''Zakao anay, ombia reo raha reo gny hisanga?Ino gny famatara gny fahavianao vo gny fara-andro?''4Namaly Jesosy dra nizaka anazy reo ho:''Mitandrema ba sy hisy hamitaky andrareo''. 5Fa ho maro gny ho avy amy agnarako.Dra hizaka ereo ho;Izaho gny Kristy,'dra maro gny ho voafitaky.6Mahare aly vo tatisy aly andrareo. Mitandrema ba sy hidobodoboky andrareo,fa sy maisy hisy zay raha zay;nefa sy bo avy gny farany.7Fa hisy firenena hisanga hanohisy firenena,dra fazakana hanohisy fazakana.Hisy mosary vo horohoron-tany amy toera samihafa.8Nefa zay raha zay dra fiandoahany faharariany gny fiteraha avo .9Dra ho atolosin'ereo ho amy fahoria andrareo dra ho vonony. Ho halany firenena aby andrareo noho gny agnarako.10Dra maro gny ho tafitohy,dra hifamaliky vo hifahakalaiky gny kirairaiky.11Mpaminany sandoky maro gny hisanga dra hamitaky olo maro.12Satria gny faharasia dra hitombo,dra hihamangasiaky gny fitiavanigny maro.13Fa gny raiky miharisy hatraminigny farany dra ho voavozy.14Itiho filazasarany fazaka itiho ho tory erak'izao totolo zao ho vavolombelo amy firenena iaby.Laha teo dra ho avy gny farany.15Noho zay,raha mahita gny fahavetavetany gny fandrava andrareo,ze nizakan'i Daniela Mpaminany,dra hisanga eo amy toera Masy andrareo''(ao gny pamaky hahatakasy ),16''Ao reo ze agny Jodia handositry ho agny an-dohambohisy,17ao ze ao agn'abo gny tragno sy hizoso hangalaky raha laha tao an-tragno,18dra ao ze agny antanimboly sy hihery hangalaky gny lambany.19Fa loza ho an'ereo bevoka vo mampinono amin'izay andro zay! 20Mivavaha ba sy ho aminigny ririny na amy Sabasy gny hisanga gny fandosindrareo. 21Fa hisy fahoria lahibe,ze sy bo nisy manahaky anizay hatrany am-piandohan'izao totolo zao mandraky amizao,haha,dra sy hisy sasy.22Raha sy afohezy reo andro reo,dra sy hisy nofo ho voze.Fa noho gny olom-boafily,dra hafohezy reo andro reo.23Fa raha misy olo mizaka andrareo ho: 'Indro,itiho gny Kristy',ignihoky gny Kristy;dra ka mino anizay.24Fa gny kristy sandoky vo gny mpaminany sandoky dra ho avy dra hampiseho famatara lahibe vo raha-mahagaga,ba hamitaky,raha azo atao,egny fa dra reo olo-voafily avo.25Indro,fa nizakako andrareo mialohanigny fotoa.26Noho zay,raha mizaka andrareo ereo ho:'Indro,agny agn'efesy izy,'dra ka magnagny agn'efisy. Dra ho 'indro,agny agnaty efitragno izy'dra ka mino anizay.27Fa manahaky gny hondriky ze mihelasy laha tagny asignana dra mazava hatragny andrefa,dra tahaky anizay gny fihaviany Zanak'olo.28Dre eza dre eza misy biby maty,dra agny gny hiangona gny volotara.29Raha vao afaky gny fahoria amin'ereo andro reo dra ho mezy gny mahasoandro,sy hagnome gny hazavany gny volana,hilasaky laha tagny an-dagnisy gny vasia,dra hihozongozo gny heriny lagnisy.30Laha teo dra hiboaky amy lagnisy gny famatarany Zanak'olo,dra gny foko agn'abonigny tany iaby handala. Hahita gny Zanak'olo avy amy rahonigny lagnisy miaraky amy hery vo gny voninahisy lahibe Izy reo.31Handefa reo azeliny Izy miaraky amy feo trompetra fatrasy,dra hamory gny olo-voafiliny laha tagny amy vaza-tany efasy ereo,manomboky amy faralagnisy dra hatragny amy hafa.32Mianara gny leso laha tamy aviavy.Raha vatany vao hatisy gny sampany dra mamoaky gny ravyny,dra fatasindrareo fa magneky gny fahavarasy.33Manahaky anizay avo koa,raha mahita anizay raha zay andrareo aby,dra tokony ho fatasindrareo fa mariny Izy,eo amin'ireo fefy mahisy.34Zakako mary amindrareo,fa sy ho lany itiho taranaky itiho mandra-piboahan'izay aby.35Sy hisy sasy gny lagnisy vo gny tany,fa gny vatako dra sy ba ho levo mandrakizay.36Kanefa gny mahakasiky anizay andro vo gny lera zay dra sy misy mahay,dre gny azeliny gny lagnisy, dre gny zanadahiny,fa gny Ray avo.37Manahaky tamy andron'i Noa,dra tahaky anizay avo koa gny fihaviany Zanak'olo.38Fa manahaky gny tamin'ereo andro mialoha gny safo-drano dra nihina vo nino ereo,nanambaly vo nampakasy mandra-pahaviny gny andro niliran'i Noa tao agnatiny gny sambo ,39dra sy nahafatasy dre ino dre ino ereo mandra-pahaviny safondrano dra nandringa anazy aby dra tahak'izay gny fihaviany gny Zanak'olo.40Laha teo hisy lelahy ro egny an-tanimboly gny raiky ho rambesy,dra gny raiky ho anga.41Ampela ro gny hatisa vary-gny raiky ho rambesy,dra gny raiky anga.42Noho zay dra miambena,fa sy fatanandreo ze andro hiaviany gny Topondrareo43Fa fatanao zao,raha fatasy gny topon-tragno ho amy firy hariva gny hiaviany gny pangalasy ,dra ho niamby izy dra sy nagnenga gny tragnony ho vaky.44Noho zay dra sy maisy mivonona avo koa andrareo,fa ho avy gny Zanak'olo amy lera sy ampoizindrareo.45Dra iza moa gny mpanopo mahatoky vo hendry ze nitendreny gny topony hanapaky gny borazany ba hagnomeza anazy reo gny hanin'ereo amy fotoa mety?46Sambasy ze mpanompo zay ze hitany Topony fa manao anizay gny fa avy ziy.47Zakako mary amindrareo fa gny topony gny hanapaky anazy ho agn'abony raha ze anagnany aby.48Fa raha misy mpanompo rasy mizaka am-pony ho:'Ela fiavy gny topoko',49dra manomboky mamono reo manopo namany,vo mihina dra mino miaraky amin'ireo pimamo;50dra ho avy gny tapony gny mpanompo amy fotoa ze sy apoiziny dra amy lera ze sy fatany.51Dra ho tapatapainy topony izy dra ho ataony manahaky gny an'ereo pihasaravelasiny gny azarany,ze hisy gny fitomagnia vo gny fikitroha-nify.
Chapter 25

1Gny fazaka gny lagnisy dra tahaky viriziny folo ze nangalaky gne zirony dra nandeha nihao tamin'gny mpampakatsy.2Dra mola gny dimy tamin'ireo fa ngny dimy koa hendry.3Dra fa nanday gny zirony reo viriziny mola,dra sy nanday melanaky taminazy agny.4Fa reo viriziny hendry koa nanday fagnaza soliky niaraky tamin'ny zirony.5Raha ohasy tara gny mpagnakasy , dra rendremana aby izy dra nandry.6Fa tamin'ny matognaly dra nisy nitoka fatrasy ho : Itiky,gny mpampakasy! miboaha ba hifakahita aminazy7Laha teo nihariny reo veriziny dra nikarakara gny zirony.8Ho gny mola tamin'ereo hendry ho:''Ba omeo ampahany amy solikindrareo zahay fa ho maty gny zironay.9Fa namaly reo hendry dra nizaka ho:''So noho sy apy ho anay vo ho andrareo,fa manehana koa agny amin'ereo pivarosy dra mivilia ho andrareo.''10Raha nandeha nivily ereo,dra avy gny mpagnakasy,dra ze fa vonona dra niara-nandeha taminazy ho ao amy fanasam-panambalia,dra nihily gny fefy.11Gny fa afaky zay dra avy avo koa reo veriziny gn'ilany dra nizaka ho:'Topoko,Topoko,ba hahao zahay'.12Fa namaly izy dra nizaka ho:'Zakako mary amindrareo,sy mahafatasy andrareo zaho'.13Dra noho zay miambena,fa sy fatandrareo gny andro na lera.14Fa izay dra tahaky gny lelahy raiky ze handeha ho agny amy firenena hafa.Nitoka gny panopony izy dra nampitana anazy reo gny hanagna.15Gny raiky tamin'ereo nomeny taleta dimy,gny raiky nomeny ro hafa,dra gny raiky hafa koa nomeny taleta raiky.Gny kirairaiky dra samy nandray taleta araky se fahezany aby,dra nandeha tamy liany zay lelahy zay.16Gny raiky ze nahavoaray taleta dimy dra niala teo noho eo dra napiasa anazy reo dra nahazo taleta dimy hafa.17Manahaky anizay koa gny raiky ze naharay taleta ro nahazo ro faha.18Fa gny mpanompo raiky ze nahavoaray taleta raiky koa,nandeha dra nialy lavaky taminigny tany,dra nandevy gny volany topony.19Dra tafarany fotoa ela dra nihery gny topon'ereo mpanompo reo dra nandami-draharaha tamin'ereo.20Nilisy gny mpanompo ze nahavoaray taleta dimy gny sady ninday taleta dimy hafa.Ho izy ho:''Topoko,nomenao taleta dimy zaho.Indro,nagnatombo taleta dimy hafa zaho.''21Hoy gny topony taminazy ho:''Soa zay,ry mpanompo soa sady mahatoky! Nahatoky taminigny raha masaiky anao.Zaho hampihandraikisy anao amy raha maro. Milira amy gny fifalian'gny toponao.''22Gny mpanompo ze nahavoaray taleta ro dra nagnato vo nizaka ho:''Topoko,nomenao taleta ro zaho,indro,nampitombo taleta ro hafa zaho''.23Nizaka anazy gny topony ho:'Soa zay,ry mpanompo soa sady mahatoky!Nahatoky tamin'gny raha masaiky anao.Zaho hampihandraikisy anao amin'gny raha maro.Milira amin'gny fifaliany toponao.'24Laha teo gny mpanompo ze nahavoaray taleta raiky napitombo gny sady nizaka ho:''Topoko,fatako fa lelahy azo ataoky hianao. Miziza egny amin'izay sy namafazanao anao,gny sady mavory vokasy egny amin'izay sy nambolenao.25Natahosy zaho,dra nandeha dra nagnavony gny taletandrareo tao agnatin'gny tany.Hatio,indro ze anao.''26Dra namaly anazy gny topony dra nanao taminazy ho:'Ianao ry mpanompo rasy sady malaiky,fatasinao fa zaho dra minapaky egny amin'izay sy namafazako vo mamory-vokasy egny amin'izay sy namboleko.27Noho zay dra tokony nomenao gny pagnaza-vola gny volako,dra gny fa nihery zaho dra nandray gny anahy miaraky amin'gny tombony.28Noho zay alao agny aminazy gny taleta dra omeo ho agny mpanompo ze mana taleta folo zay.29Fa ze mana dra home maromaro mihoasy lavisy. Fa ho an'ereo ze sy mana dre ino dre ino koa,dre ze hanagnany avo dra ho ala aminazy.30Ario agny amy mezy agny ambaliky gny mpanompo sy mendriky,agny gny misy gny fiasasatry vo gny fikitroha -nify.31Gny fa avy amin'gny voninahiny gny Zanak'olo vo gny azely miaraky aminazy aby,dra hipetraky eo amin'gny seza findignasa voninahiny Izy.32Dra gny firenena dra hahory eo anatrehany aby,dra hagnavaky gny olo raiky amin'gny raiky hafa Izy,tahaky gny mpiaraky agn'ondry magnavaky gny agn'ondry amin'gny osy.33Hametraky gny agn'ondry ho eo ankavanany izy,fa gny osy eo ankaviany.34Dra Pazaka hizaka amin'ereo ze eo an-tagna ankavanany ho:'Avia, andrereo ze nitahian'gny Rako,mandova gny fakaza ze fa voahoma ho andrareo hatrizay nagnoregna an'izao totolo zao.35Fa resy Zaho dra nomendrareo hany; Nangetaheta Zaho dra nomenadrareo ho nomy;nivahiny zaho dra nampandrosondrareo;36sy niakazo zaho nampiakazondrareo;narary Zaho nikarakarandrareo;dra tagny ampingandra Zaho dra nakagny aminahy andrareo.'37Dra gny mary dra hamaly vo hizaka ho:'Topo,ombia zahay gny nahita Anao resy dra namaha Anao?Dre nangetaheta dra nampinominay?38Ombia Anao gny hitanay nivahiny dra nampandrosonay? Dre nizaka dra nampiakazonay?39Ombia izahay gny nahita Anao narary dre tagny ampingandra dra nagnagny aminao? 40Dra gny Pazaka namaly dra nizaka anazy reo ho:'Zakako mary amindrareo,ze nataondrareo tamin'io rahalahiko masaiky be io,dra nataondrareo taminahy.'41Dra izy nizaka amin'ereo ze eo ankaviany ho:'Miala aminahy,andrareo ze voahozo,ho agny amin'gny afo mirehisy mandrakizay ze fa voahoma hoan'gny devoly vo reo azeliny,42satria resy Zaho,fa sy nomendrareo hany; nangetaheta Zaho,fasy nomendrareo rano honomy;43nivahiny Zaho,fa sy nampandrosondrareo; sy niakazo Zaho nefa nampiakazondrareo;narary vo tao ampingadra Zaho,fa sy nikarakarandrareo.'44Dra hamaly ereo dra hizaka ho:'Topo! Ombia izahay gny nahita Anao resy,dre nangetahetamdre nivahiny,dre sisy akazo,dre narary,dre tagny ampingadra,dra sy nanopo Anao?45Dra Izy hamaly anazy reo dra hizaka ho:'Zakako mary amindrareo,fa ze sy nataondrareo tamign'iraiky tamin'ereo maliniky reo,dra sy nataondrareo taminahy'. 46Reo dra halefa ho ao amy fagnasazia mandrakizay fa reo mary koa ao amy fiaigna mandrakizay.''
Chapter 26

1Gny fa vitan'i Jesosy ze zaka zay,dra nizaka tamin'ereo mpianany Izy ho:2''Fatasindrareo fa afaky ro andro dra ho avy gny Pasaka,dra hatolosy homboa amin'gny hazofizalia gny Zanak'olo.''3Laha teo gny lehiben'gny pisoro vo gny loholo niara-nivory tao amin'gny lapan'gny pisorom-be,ze nitokavy ho Kaiafa.4Niara-nanao tetiky ereo ba hanambosy mangyky an'i Jesosy dra hamono Anazy.5Fa ho ereo ho:''Sy amin'gny fety,ba sy hisian'gny korota eo amin'gny olo.''6Dra Jesosy gny fa tao Betania tao an-tragnon'i Simona boka,7raha nipetraky nihina teo amin'gny latabasy,dra nisy ampela raiky nana botela alabastara feno menaky lafo vily nagnato Anazy,dra nandraraky anizay tamin'gny lohany.8Fa gny hitan'ereo pianany zay,dra ory ereo dra nanao ho:''Ino gny aton'izao fandania zao?9Afaky navily sarosy dra nome reo mizaky io.''10Fa Jesosy,nahafatasy anizay,nizaka anazy reo ho:''Nanao akory andrareo gny manahira-say rapela?Fa raha soa gny nataony taminahy.11Eo amindrareo mandrakizay gny mizaly,Fa zaho dra sy ho eo amindrareo mandrakariva.12Fa gny nandraraky anizay menaky magnisy zay tamin'gny vatako izy,dra nataony ho agny fandevegna Anahy zay.13Zakako mary amindrareo,dre eza dre eza hitoria gny filazasara eto amin'izao toto zao aby,ze nataon'itiho ampela itiho dra ho zaka avo koa ho fahasiarova anazy.''14Laha teo gny raiky tamin'ereo ro ambiny folo,ze nitokavy ho Jodasy Iskariota, nagnagny amin'gny lahiben'gny pisoro 15dra nanao ho:''Omeondrareo hotrino zaho hanolorako Anazy amindrareo?''Nandaza volafosy maliniky telopolo ereo ho anazy.16Tamin'izay fotoa zay dra nitalia fahafaha izy ba hanolora Anazy amin'ereo.17Tamin'gny andro volohan'gny mofo sy misy lalivay dra nagnato an'i Jesosy reo pianasy dra nizaka ho:''Eza gny tianao hanomananay ho anao hihina gny hanin'gny Pasaky?''18Namaly Izy ho:''Milira ao an-tana misy lelahy raiky dra zakao izy ho:'Hoy gny mpampianasy ho:''Fa mariny gny fotoako.Ato an-tragnonao Zaho gny hanao gny pasaky miaraky amin'ereo mpianasy.''''''19Nataon'ereo pianany araky ze nampanovin'i Jesosy zay,dra nagnoma gny sakafon'gny pasaky ereo.20Gny fa avy gny hariva,dra nipetraky nihina niaraky tamin'gny pianany ro ambiny folo Izy.21Gny fa nihina ereo,dra ho Izy ho:''Zakako mary amindrarro fa hisy raiky amindrareo hamaliky Anahy.''22Nalahelo ereo dra nanomboky nagnotany Anazy kirairaiky ho:''Sy ho zaho mihisy ,ry Topo?''23Namaly Izy ho:''Ze niaraky nampisoboky gny tagnany taminahy tao agnaty finga gny raiky hamaliky Anahy.24Handeha gny Zanak'olo,araky ze fa voasorasy momba Anazy.Nefa lozan'gny olo ze hamaliky gy Zanak'olo! Soa avo ho an'izay olo zay gny sy teraky .''25Jodasy,ze hamaliky Anazy nizaka ho:''Izaho se zay,Raby o?''Ho Izy taminazy ho:''Voalazanao.''26Raha bo nihina ereo,dra nangalaky gny mofo Jesosy,nisaosy,dra nanapaky anizay.Nomeny reo pianasy izay dra nizaka ho:''Rambeso,hano.Itiho gny Vatako.''27Nandray gny Kapoaky Izy dra nisaosy dra nagnome anizay reo dra nizaka ho:''Andrareo aby,nomy itiho.28Fa itiho gny lion'gny fanekem-pihavaha arosaky ho agny maro ho famela-keloky.29Fa zakako amindrareo,fa sy ba hino gny vokasy gny voloboky sasy Zaho, mandra-pihavinin'gny fisotroa vaovao hiarahako amindrareo agny amin'gny fazakan'gny Rako.'''30Gny fa niatsa asa fidera ereo,dra nandeha tagny amin'gny lohambohisin'i Oliva.31Laha teo hoy Jesosy tamin'ereo ho:''Andrareo aby dra hiriosy Anahy nohon'gnuy amimahy amiza hariva za, fa voasorasy ho:''Hamarosy gny mpiaraky agn'ondry Zaho dra hibarakay gny agn'ondry.'32Fa tafarany gny fisanganako amin'gny maty,dra handeha aloha gny lala drareo agny Galilia .''33Fa Petera nanao ho Taminazy ho:''Dra hagnenga nohon'gny aminao avo gny maro,zaho sy ba hagnenga mihisy.''34Hoy Jesosy taminazy ho:''Zakako mary aminao,fa anizao hariva zao raha bo sy magneno gny akoho,dra handa Anahy itelo anao.''35Petera nizaka taminazy ho:''Dre dra sy maisy ho maty miaraky aminao avo zaho,dra sy hagnenga anao.''Manahaky anizay avo koa gny nizakan'ereo pianasy hafa.36Dra Jesosy nandeha niaraky tamin'ereo nagnagny amy toera atao ho Getsemane dra nizaka tamin'gny pianany ho:''Mipetraha eto raha bo handeha eriho hivavaky Zaho.''37Ninday an'i petera bamin'gny zanak'i Zebedio ro lahy Izy dra nanomboky nalahelo vo ory.38Laha teo ho Izy tamin'ereo ho:''Fadiranovana gny fagnahiko,manahaky gny fa ho maty. Mitoera eta dra mihambena miaraky aminahy.''39Nisitaky Izy, nandohaliky dra nivavaky.Ho Izy ho:''Ry Rako,raha azo atao,dra ao alao aminahy itiho kapoaky itiho.Nefa,ao sy araky gny sitrapoko ,fa gny sitraponao.''40Nagnato reo pianany Izy dra nahita anazy reo te-handry,dra ho Izy tamin'i petera ho:''Ino,sy mahavita miamby miaraky aminahy dre dra lera raiky avo se andrareo?41Miambena dra mivavaha ba sy ho azon'gny fakam-panahy andrareo.Mety avo gny fagnahy,fa gny nofo gny malemy.''42Bo nandeha fanindrony Izy dra nivavaky.Ho Izy ho:''Ry rako,raha toa sy azo ala aminahy itiho raha sy mino Zaho,dra ho atao seky gny sitraponao.''43Nihery draiky Izy dra bo nahita anazy reo nandry,fa navesasy gny mason'ereo.44Dra nagnenga anazy reo draiky Izy,lasa dra nivavaky fanitelony,nizaka gny zaka reo avo.45Laha teo Jesosy nagnato reo pianasy dra nanao tamin'ereo ho:''Bo mandry vo manalaky havozaha seky andrareo?Hatio,fa mariny gny fotoa,dra gny Zanak'olo dra hatolosy eo an-tagnan'ereo panota.46Misangana,andeha isika.Hatio,fa mariny gny hamaliky Anahy.''47Raha bo nizaka Izy,dra avy Jodasy,raiky amin'ereo ro ambiny folo.Nisy vahoaky maro avy niaraky taminazy laha tamin'gny lahibenympisoro vo reo loholo.Avy niaraky tamin'gny lefo vo langilangy ereo.48Dra nagnome famatara anazy reo gny lelahy hamaliky an'i Jesosy,manao ho:''Ze horohako,gny Izy.Sambory Izy.''49Teo no eo avo dra nagnato an'i Jesosy izy dra nizaka ho:''Finarisy,Raby!''Dra nagnoriky Anazy izy.50Hoy Jesosy taminazy ho:''Ry sakaiza,atovy ze lianao eto.''Laha teo avy izy reo,nanondrosy tagna tamin'i Jesosy,dra nisambosy Anazy.51Indro,gny raiky tamin'ereo niaraky tamin'i Jesosy nananga gny tagnany,nagnapotaky gny lefony,nikapa gny panopon'gny mpisorom-be,dra nahafaky gny sofiny.52Laha teo hoy Jesosy taminazy ho:''Hahireno gny toerany gny lefonao,fa reo ze nandray lefo dra ho vono amy lefo.53Mieriserisy se andrareo fa sy afaky mitoka gny Rako Zaho,dra Izy dra afaky mandefa ho Anahy tafik'azely mihoasy noho gny ro ambiny folo?54Fa atao nanao akoryzay gny hahatateraky gny Sorasy Masy,ze mizaka fa sy maisy hisanga zay?''55Tamin'izay andro zay Jesosy nizaka tamin'gny vahoaky hô:''Avy miaraky amy lefo vo langilangy hanambosy Anahy tahaky gny malaso se andrareo?Isan'andro dra nipetraky napianasy teo amin'gny fengona Zaho,fa sy nisamborindrareo.56Fa zay aby zay dra nisanga ba hahatateraky ze voasorasin'ereo paminany.''Laha teo niriosy Anazy reo mpianasy iaby dra nilomay.57Nandesin'ereo nanambosy anazy tagny amin'i Kaiafa pisorom-be Jesosy,ze nivorian'ereo panora-dalana vo loholo.58Fa petera nagnaraky Anazy laha tagny nagnagny amin'gny kiazany pisorom-be.Nilisy tao anagnatiny izy dra nipetraky niaraky tamin'ereo mpiamby raharaha ba hahita ze hiafarany.59Dra gny lahiben'gny pisoro vô ereo Synedriona aby dra nitalia anova anazy sy mary manohisy an'i Jesosy, ba mety ahafahan'ereo mamono Anazy. 60Sy nahita dre ino dre ino ereo,dre dra nisy pijoro vavolombelo maro sy mary avy avo teo.Dra masaiky laha teo dra nisy ro avy nagnato teo 61dra nizaka hô:''Io lelahy io dra nizaka hô:'Afaky mandrava gny fengonan'Agnahary Zaho dra mananga anizay draiky afaky telo andro.'''62Nisanga gny mpisorom-be dra nanao taminazy hô:''Sy mana-kavaly se anao?Ino zay rasy nanamboran'ereo Anao zay?''63Fa sy nizaka Jesosy.Hoy gny pisorom-be taminazy hô:''Mandidy Anao amin'gny alalan'Agnahary velo zaho,zakao aminay raha anao gny Kristy,Zanak'Agnahary.''64Jesosy namaly anazy hô:''Voalazanao.Fa zakako amindrareo,manomboky zao dra ho hitandrareo gny Zanak'olo hipetraky eo an-tagna ankavanan'gny Hery,dra ho avy eo amy rahon'gny lagnisy.''65Laha teo gny pisoro nangitikitiky gny akazony dra nizaka hô:''Nizaka rasy Izy! Nanao akory isika gny bo mila pizoro vavolombelo?Indro,rendrareo gny zakany rasy zao.66Ino gny hevisindrareo?''Namaly ereo dra nanao hô:''Mendriky gny ho maty Izy.''67Laha teo ereo nandrora gny tamy tarehiny vô nazera Anazy,dra nanapify Anazy ,68dra nanao hô:''Maminania aminay,ry Krisy.Iza gny nazera Anao?''69Dra Petera ambaliky gny kiaza,dra nisy mpanompo ampela avy nagnato anazy nizaka hô:''Anao avô koa dra niaraky tamin'i Jesosin'i Galilia.''70Fa nanda anizay teo anoloan'ereo izy,manao hô:''Sy fatako ze gny zakanao.''71Gny fa niboaky gny vavahady izy,dra nisy mpanopo ampela hafa nahita anazy dra nizaka tamin'ireo ze teo hô:''Itiho lelahy itihô avo koa dra niaraky tamin'i Jesosy laha tagny Nazareta.''72Bo nanda draiky izy niaraky tamin'gny fianiana ho:''Sy fatako ze lelahy zay!''73Nony afaka tselatsela dra nagnato reo ze nisanga teo dra nizaka tamin'i Petera hô:''Ianao avo koa dra tena raiky amin'ereo,fa gny fomba fizakanao dra miampanga anao.''74Laha teo nanomboky nagnozo vo ninia dra nanao hô:''Sy fatanao ze lelahy zay.''Dra teo no eo dra nagneno gny akoho.75Tadidin'i Petera gny zaka nambaran'i Jesosy hô:''Bo sy magneno gny akoho dra handa Anahy itelo anao.''Laha teo izy niboaky dra nitomagny fatrasy.
Chapter 27

1Dra fa niamary gn'andro,dra nitetiky hanohisy an'i Jesosy ba hamono Anazy reo lahiben'gny pisoro vo gny loholo aby.2Izy reo namafehy Anazy,nitariky Anazy ambaliky agny ,dra nanolosy Anazy tamin'i Pilato gevernora.3Dra Jodasy,gny namaliky Anazy,gny fa nahita fa voaheloky Jesosy,dra nibebaky izy dra nagnery gny volafosy telopolo tamin'ereo lahiben'gny pisoro vo reo loholo,dra nizaka hô:''Nanota zaho tamin'gny namalihako lio sy manasigny.''Fa izy reo nizaka hô:''Ataonay ino?Anao zay.''5Dra natorany tao ampengona gny volafosy,dra nagnenga vo niboaky vo namehy gny vatany Izy.6Reo lahiben'gny pisoro nangalaky reo volafosy dra nizaka hô:''Sy ara-dala gny mametraky itiho ao amy fignazam-vola,satria itiho dra vilan-dra.''7Niaraky niresaky gny olana ereo dra nivily gny tanin'gny panao vilagny tanimanga ze handevegna reo vahiny tamin'ereo vola.8Dra zay gny atony nitokava anizay tanimboly zay hô:''Tanimbonin'gny Lio''mandrak'androany.9Dra tateraky ze nivoazaka tamin'gny mpampianany Jeremia,manao hô:''Nangalaky gny volofosy telopolo ereo,vily nanombanan'ereo vahoakin'Israely Anazy,10dra ereo nagnome anizay hô agny tanimboly panao volagny tanimanga,araky gny natoron'gny Topo Anahy.''11Dra Jesosy nisanga teo alohan'gny governora,dra gny governora nagnontany Anazy hô,''Ianao se gny Pazakan'ereo Jiosy?'' Jesosy namaly anazy hô:''Voalazanao.''12Fa gny nampangenin'ereo lahiben'gny pisoro vo reo loholo Izy,dra sy namaly dre ino dre ino.13Dra nizaka taminazy Pilato hô:''Sy renao se gny fampangena atao aminao?''14Fa sy namaly dre dra zaka raiky Izy,gaga tateraky noho zay gny governora.15Dra isakin'gny firavoravoa dra fomban'gny governora gny mamehy gadra raiky voafilin'gny vahoaky.16Tamin'io fotoa io,nana gadra malaza rasy tokavy ho Barabasy ereo.17Noho zay gny fa niara-niango ereo,dra hoy Pilato tamin'ereo hô:''Iza gny tiandrareo halefako hô andrareo? Barabasy,sa Jesosy ze nitokavy hô Kristy?''18Fatany fa nohon'gny fialona gny nanoloran'ereo an'i Jesosy taminazy.19Raha nipetraky teo amin'gny seza fisara izy,dra nandefa zaka tamin'gny valiny dra nanao hô:''sy mana dre ino dre ino atao amin'itiho lelahy sy manasigny itiho zaho.Fa ory loasy zaho androany nohon'gny nofy azoko momba Anazy.''20Dra reo lahiben'gny pisoro vo reo loholo nandresy lahasy gny vahoaky ba hangataky an'i Barabasy ,dra hampamono an'i Jesosy.21Nagnotany anazy reo gny Governora hô:''Iza amin'izy ro gny tianao halefako hô andrareo?''Hô ereo hô:''Barabasy.''22Pilato nizaka tamin'ereo hô:''Ino gny tokony ataoko amin'i Jesosy ze nitokavy ho Kristy?''Izy aby namaly hô:''Fasiho amin'gny hazofizalia Izy.''23Dra hô Izy hô:''Nanao akory ,ino gny rasy nataony?''Fa vo maiky ereo nikoraky fatrasy hô:''Fasiho amin'gny hazofizalia Izy.''24Fa gny hitan'i Pilato fa sy afaky hanao dre ino dre ino izy,kanefa nanomboky gny tabataba,dra nangalaky rano izy,nanasa gny tagnany teo alohany vahoaky,dra nanao hô:''Sy manasiny amin'gny lion'itiho lelahy sy manasigny itiho zaho.Fa asandrareo zay.''25Gn'olo aby nizaka ho:''Ho aminay vo gny zanakay seky gny liony.''26Dra nalefany ho an'izay gny Barabasy,fa nively karavasy an'i Jesosy izy dra nanolosy Anazy ho fasihy.27Laha teo gny miaramilan'gny gevernora nangalaky an'i Jesosy hangao an-dapa dra namory gny vondro miaramila aby.28Nangalaky gny ankazony ereo dra nampanao akazo jaky Anazy.29Nanamboasy satro-boninahisy tsilo ereo dra napetany zay teo an-dohany,dra napetraky tehina teo amin'gny tagnany ankavana. Nandohaliky teo anatrehany ereo dra nakizaky Anazy,nanao hô:''Arahaba,ry pazakan'i Jiosy!''30Nandroran'ereo Izy,dra nalan'ereo gny tehina dra nizera Anazy imaro dra be teo amin'gny lohany.31Gny fa vay nikizaky Anazy reo,dra nangalaky gny akazo lavany dra napagnisiny Anazy gny akazony,dra ninday Anazy niboaky ba hamasika Anazy amin'gny hazofizalia.32Gny fa niboaky ereo,dra nahita lelahy raiky laha tagny Syrena mana agnara hô Simona,ze niteren'ereo hiaraky amin'ereo ba hampitarazo gny hazofizalia.33Nagnagny amin'gny toera mana agnara hô Golgota ereo,ze midika hi''Toeran'gny Karandoha.''34Nomen'ereo divay miharo amin'gny afero Izy ba ho nominy.Fa gny nandramany zay,dra sy ninominy.35Dra gny nifasihin'ereo tamin'gny hazofizalia Izy,dra nataon'ereo loka gny fizara gn'akazony,36dra nipetraky ereo dra nizano niamby Anazy.37Teo agn'abonin'gny lohany gny nametrahan'ereo sorasy mizaka gny nagnahia Anazy,ze mivaky ho:''Itiho gny Jesosy,pazakan'ereo Jiosy.''38Nisy Jiolahy ro nifasihiny niaraky taminazy,gny raiky teo ankavanany dra gny raiky teo ankavia.39Reo ze niriosy dra nanevateva Anazy,nanivingivina gny lohan'ereo 40dra nanao:''Anao ze handrava gny fengona dra hanamboasy anizay draiky ao agnatin'gny telo andro,vozeo gny vatanao!Raha anao gny Zanak'Agnahary,mizosoa laha tegny amin'gny hazofizalia!''41Manahaky anizay reo lehiben'gny pisoro nikizaky Anazy,niaraky tamin'ereo panora-dalana vo gny loholo,dra nizaka hô:42''Nagnavosy reo hafa Izy fa sy afaky magnavosy gny vatany.Izy gny pazakan'Israely.Angao Izy hizoso egny amin'gny hazofizalia,dra hino Anazy isika.43Natoky an'Agnahary Izy,havelao Zagnahary hamozy Anazy zao,raha makasitraky gny hagnafaky Anazy Zagnahary.Fa dre Izy dra nizaka hô:'Zaho gny Zakan'Agnahary.''''44Manahaky anizay koa reo Jiolahy ze nifasihiny niaraky taminazy nizaka fanevateva taminazy avo koa.45Dra nanomboky tamin'gny lera fahaeny dra nandrakosy gny tany aby gny hezy dra hatramin'gny lera fahasivy.46Teo amin'gny lera fahasivy,dra nikoraky tamin'gny feo fatrasy Jesosy dra nanao ho:''Ely,Ely,lama sabatany?''Zay midika ho:''Zagnahariko,Zagnahariko,nanao akory gny nagnenga Anahy Anao?''|v 47 Gny fa ren'gn'ilany tamin'ereo ze nisanga teo zay,dra ho izy reo:''Mitoka an'i Elia Izy.''48Teo no eo dra nilomay gny raiky tamin'ereo dra nangalaky spaonjy, namonto anizay tamy vinaingitra, nametraky anizay tamy tohitohy bararata, dra nagnome anizay anazy ba ho nomy. 49Gny sasany tamin'ereo nizaka ho: ''Angao Izy. Hitasika eo raha ho avy hamozy anazy Elia. ''50Dra nihiaky tamy feo fatrasy draiky Jesosy dra nanolosy gny fagnahiny.51Indro, gny lamba gny tempoly nitriasy ro hatragny agn'abo ka hatragny ambany, dra nihorohoro gny tany , dra vaky nisasaky reo vatolapy.52Nisokasy reo lolo, dra gny fatin'ereo olon'Agnahary maro ze nimaty dra nasanga .53Izy reo dra niboaky laha tao amy lolo tafarany fisanganany tamy maty, nilisy gny tana masy, dra niseho tamy maro.54Dra reo Kapiteny vo reo ze nagnety an'i Jesosy fa gny nahita gny horohoro-tany vo reo raha ze niseo , dra lasa natahosy fatrasy dra nanao ho: '' Zanak'Andriamanitra marina itio.''55 Nisy ampela maro ze nagnaraky an'i Jesosy hatragny Galilia ba hikarakara anazy teo nagnety lavisy eny. 56Tamin'ereo Maria Magdalena, Maria renin'i Jakoba vo Josefa, dra gny renin'ereo zanakilahin'i Zebedio.57Fa gny hariva gny andro, dra nisy lelahy raiky mana-karena laha tagny Armatia avy , tokavy ho Josefa, zay pianasin'i Jesosy avo koa. 58Nagnato an'i Pilato izy dra nangataky gny fatin'i Jesosy . Dra nibakon'i Pilato omena anazy zay.59Nangalaky gny faty Josefa, namogno anizay tamy gny lamba rongony malio, 60dra nampandry anizay tamy lolony vaovao ze nihaliny tamy vatolampy. Dra nasia vato lahibe handrindrigna gny vandrangara gny lolo izy dra niboaky. 61Maria Magdalena vo reo Maria hafa dra teo. nipetraky teo andafiny gny lolo.62Gny andro magnaraky, zay andro afarany Fagnomana, dra niara-niango tamin'i Pilato reo lehibe gny pisoro vo reo Fariseo. 63Hoy ereo ho:''Topoko, tadidinay fa tamy bo velo igny pamitaky igny, dra hoy Izy ho:'Afarany telo andro, dra hisanga draiky zaho.'64Dra noho zay, mandidia ba ho ambena gny lolo hatramy andro fahatelo, raha sy zay reo pianany mety ho avy dra hangalaky anazy dra hizaka amy olo ho: 'Nisanga tamy maty Izy, dra gny fitaky farany dra ho rasy noho gny tamy volohany.''65Hoy Pilato tamin'ereo ho: ''Mangala mpiamby. Mandehana dra ambeno soa araky ze vitanandrareo zay. ''66Dra nandeha ereo dra niamby gny lolo, nagnisy tombo-kase gny vato dra nametraky gny piamby.
Chapter 28

1Dra tamy hariva gny Sabata, raha vao nanomboky mangira-drasy gny andro volohany amigny herign'andro , dra nazary nandeha nagnety gny lolo i Maria Magdalena vo i Maria raiky hafa. 2Indro, nisy horohoro-tany be , fa gny azelign'i topo gny nizoso laha tagny an-dagnisy , dra nipetraky teo ambanin'izay.3Gny poziny dra manahaky gny helasy, dra gny akazony dra fosy manaharky gny oram-panala. 4Dra lasa natahosy reo mpiamby ka nanahaky gny lelahy maty.5Niresaky tamin'ereo ampela gny azely dra nizaka tamin'ereo ho: ''Ka matahosy, fatanao fa mitalia an'i Jesosy andrareo, izy nifatsihy tamy hazofizalia. 6Sy ato Izy , fa nitsanga , araky gny fa nizakany. Avia hatio gny toera ze nandriany topo. 7Mandehana malaky dra zakao reo mpianany ho: 'Nisanga tamy maty Izy. Indro, fa nandeha nialoha andrareo agny Galilea Izy. Agny gny hahitandrareo anazy. 'Indro , fa voazaka tamindrareo.''8Niala gny lolo malaky ereo noho gny tahosy vo tamy hafalia lahibe ereo ampela, dra nilomalomay ba hizaka reo pianany. 9Indro, nifakahita tamin'ereo Jesosy dra nizaka ho:''Arahaba! ''Nagnato ampela reo, nita gny tombony dra nidera anazy. 10Dra laha teo Jesosy nizaka tamin'ereo ho: ''Ka matahosy. Mandehana mizaka amin'ereo rahalahiko ba hiala dra hita an'i Galilia. Agny gny hahitan'ereo anahy.''11Dra raha nandeha igny reo ampela , indro, gnilany tamin'ereo piamby nangnany amy tana-be dra nizaka tamy lohagny pisoro gny raha iaby ze niseho. 12Fa gny nifakahita tamin'ereo loholo gny pisoro dra niresaky momba gny olana tamin'ereo , dra nagnome vola be an'ereo miaramila ereo 13dra nizaka anazy reo ho: ''Zakao amin'ereo hafa ho: 'Avy tamy gny andro hariva reo pianasin'i Jesosy dra nangalasy gny vatany raha bo nandry zahay.'14Raha avy agny amy governora zay tatisy zay , dra handresy lahasy anazy isika dra hangalaky gny ahiahy amindrareo. ''15Dra nalany miaramila gny vola dra nanao araky ze fa nizakany anazy ereo. Dra zay tatisy zay dra nieli- patrana teo amin'ereo Jiosy dra mitohy mandrak Amizao avo.16Fa nagnagny Galilea reo pianasy raiky amby folo, tagny amy tendrombohisy ze fa natoron'i Jesosy anazy reo.17Fa gny nahita anazy ereo, dra nidera anazy, fa gnilany koa niahiahy.18Nagnato anazy reo Jesosy ka niresaky tamin'ereo dra nizaka ho: ''Fa nome anahy gny fahefa iaby agny an-dagnisy vo eto an-tany. 19Koa mandehana dra atovy avy mpianaso gny firene-drehetra. Atovy batisa ereo amy agnarany ray sy gny Zanaka dra fanahy Masina.20Ampianaro ereo hakato gny raha iaby ze nandidiako andrareo. Indro, miaraky amindrareo avo zaho, egny fa na hatramigny fiafaran'izao totolo zao avo.''

Mark

Chapter 1

1Itiho gny fiandohan'gny filazasaran'i Jesosy Kristy , gny Zanak'Agnahary. 2Araky ze voasorasy ao amin'Isaia mpaminany ho:''Indro, zaho magniraky gny irako hialoha anao, gny raiky hamboasy gny lalanao. 3Misy feo ra mitoka fatrasy agny agn'efisy ho:''Atovy vonona gny lalan'gny Topo; ataovy mahisy gny lala-andehanany.''4Avy Jaona, nanao batisa tagny agn'efisy dra nitory gny batisan'gny fibebaha ho amin'gny famelan-keloky tamy ota. 5Gny tanin'i Jodia iaby vo gny mponina ao Jerosalema iaby dra avy nagnato anazy. Nataony batisa tao amin'gny onin'i Jordana ereo, gny fa nagneky gny fahotany. 6Jaona dra nagnisy lamba volon-drameva dra nanao fehitroky holisy teo am-balahany, dra valala vo tately remby gny nihaniny.7Nambara izy ho: ''Misy raiky ho avy magnaraky anahy ze mahery mihoasy anahy, dra sy mendriky zaho na dra gny hamaha gny fehin-kapany avo. 8Zaho nanao batisa andrareo tamin'gny rano, fa Izy koa hanao batisa andrareo amin'gny Fagnahy Masy.''9Tamin'io andro nahavian'i Jesosy laha tagny Nazareta tao Galilia gny nisanga zay, dra nataon'i Jaona batisa tao amin'gny onin'i Jodana Izy. 10Raha vao niboaky gny rano Jesosy,dra hitany nisokasy gny lagnisy dre nilisy teo aminazy manahaky gny voromailala gny Fagnahy. 11Dra nisy feo laha tagny an-dagnisy nanao ho:''Anao gny Zanako malalako . Anao gny sitrako.''12Laha teo dra nitomin'gny Fagnahy ho agny agn'efisy Jesosy. 13Efapolo andro Izy gny tagny agn'efisy, nalan'gny satana fagnahy. Nipetraky niaraky tamin'gny bibidia Izy , dra nanompo Anazy gny azely.14Dra gny fa voasambosy Jaona, dra avy tao Gaalilia Jesosy nitory gny filazasaran'Agnahary, 15dra nizaka ho:''fa avy gny fotoa, dra fa mariny gny fazakan'Agnahary. Mibebaha dra minoa gny filazasara.''16Gny fa nandeha tegny amoron-dranomasin'i Galilia Izy, dra nahita an'i Simona vo Andrea rahalahan'i Simona nagnarato, satria mpagnarato ereo. 17Hoy Jesosy tamin'ereo ho:''Avia, magnaraha anahy, fa ataoko mpagnarato olo andrareo.''18Teo no eo dra nangany gny harato ereo ka nagnaraky Anazy.19Gny fa nandeha lavidavisy Jesosy, dra nahita an'i Jakoba zanak'i Zebedio vo Jaona rahalahyny; ze tao asambokely namboasy gny harosto. 20Nitoka anazy reo Izy dra nangany tao asambokely aby hatragny Zebedio rany niaraky tamin'ereo mpikarama, ka nagnaraky Anazy ereo.21Laha teo dra avy tao Kapernaomy ereo, dra tamin'gny andro Sabata, dra nilisy tao amin'gny Synagoga Jesosy dra nampianasy. 22Kamo tamy fampianarany ereo, satria nampianasy anazy reo manahaky gny olo mana fahefa Izy fa sy tahaky gny mpanora-dalana.23Laha teo nisy lelahy raiky tao amin'gny Synagogan'ereo ze nana fagnahy maloto nihiaky fatrasy, 24nanao hô:''Ino gny hifandraisanay aminao, ry Jesosy laha tagny Nazareta? Avy hanorotoro anay se anao? Fatako hô izy anao. Anao gny Masin'Agnahary!''25Nizaka fatrasy gny devoly Jesosy ka nanao hô:''Ka mareviky dra misokafa aminazy!''26Dra gny fagnahy maloto nandavo anazy vô nivoaky taminazy dra nitoka tamin'gny feo fatrasy.27Kamo gny olo iaby, dra nifagnontany ereo hô:''Ino itohô? Fampianara vaovao misy fahefa? Bekony dre dra gny fagnahy maloto avo dra magneky Anazy!''28Gny vaovao momba Anazy dra niparitaky tegny iaby tao amin'gny farisin'i Galilia raiky iaby.29Gny fa baka niboaky gny Synagoga , dra avy tao an-tragnon'i Simona vo Andrea ereo, niaraky tamin'i Jakoba vo Jaona. 30Dra gny rafozam-bavin'i Simona nandry nararin'gny tazo, ka nizakakn'ereo an'i Jesosy gny momba anazy. 31Dra nagnato Izy, dra nandramby anazy tamin'gny tagnay , dra nagnomboky nanompo anazy ereo.32tamy zao hariva zao, tafaran'gny filetehan'gny masoandro, dra nandesin'ereo teo aminazy ze narary iaby dre misy devoly . 33Tafavory am-batrangara gny tao an-tana iaby. 34Nagnasitra olo maro ze nararin'gny arety samihafa Izy dra nandroaky devoly maro, fa sy nangany hizaka gny devoly satria nahafatasy Anazy ereo.35Nifoha maraindray be Izy, raha bo mezy gny andro; niala teo Izy dra nandeha tagny amin'gny toera mangigiky dra teo Izy gny nivavaky. 36Nitalia Anazy Simona vo gny ze niaraky taminazy. 37Nahita Anazy ereo dra nizaka taminazy ho:''Mitalia Anao gny olo aby.''38Ho Izy hô: ''Andeha isika ho agny amin'gny toera-kafa, agny ambaliky ao amin'ireo tana magnodidy , ba hafahako mitory teny agny koa. Fa zay gny atony niboahako tatihô.''39Dra nizaka an'i Galilia aby Izy, nitory teny tao amin'gny Synagogan'ereo sady nandroaky devoly maro.40Nisy boka raiky avy teo aminazy. Nandohaliky taminazy izy; nandohaliky teo aminahy dra nizaka taminazy ho:''Raha sitrakao, dra afaky magnaligno anahy anao.''41Onena Anazy, dra nanondrosy gny tagnany Jesosy dra nikasiky anazy, nanao taminazy ho:''Sitrako. Maliova anao.''42Niala taminazy avy hatragny gny haboka, dra nalio izy.43Nampitandry fatrasy anazy Jesosy dra nandefa anazy. 44Ho Izy taminazy ho:''Tandremo sy hizaka dre ino dre ino amin'izao dre amin'iza anao , fa mandeha, asehoy amin'gny mpisoro gny vatanao, dra manova fagnatisy nohon'gny fagnaliova anao araky gny nandidian'i Mosesy , ba ho fizoroa vavolombelo ho anazy reo.45Fa niboaky izy dra nanomboky nizaka ta,in'gny olo aby vo nampiely loasy gny zaka dra sy afaky nilisy an-kalalaha tany amin'gny tana aby hitokava Jesosy. Ka nitoesy tagny ambaliky tagny amin'gny toera mitoka Izy dra nagnato Anazy gny olo laha tamin'gny toera iaby.
Chapter 2

1Fa gny vihery tao Kapernaomy Izy afaky andro kely , dra fa tao an-tragno Izy. 2Maro toka gny olo nitangoro teo kay sy nisy toera sasy, dre dra gny teo am-batrangara avo, dra nagnambara gny zaka tamin'ereo Jesosy.3Dra nisy lelahy maromaro nagnato Anazy ze nanday lelahy raiky malemy; ze nizakan'olo efa-dahy. 4Gny fa sy afaky nagnato mariny anazy ereo nohon'gny hamaroany gny vahoaky, dra nalan'ereo gny fato-tragno ze teo agn'ambony'i Jesosy,dra gny fa voasokasin'ereo , dra nampizoson'ereo gny fandria ze nandrian'gny lelahy malemy.5Noho nahita gny finoan'ereo, dra hoy Jesosy tamin'gny lelahy malemy ho:''Anaky, voavela gny helokao.''6Dra nisy gn'ilany tamin'ereo mpanora-dalana nipetraky teo, ka nimenomeno tao am-pon'ereo ho:''7Nanao akory gny ahafahan'io lelahy io mizaka tahaky anizay? Mizaka rasy Izy zao! Fa sy Zagnahary avo se gny afaky mamela heloky?''8Fa Jesosy nahafatasy hatragny tao amin'gny fagnahiny gny raha nieriseretan'ereo. Dra ho Izy tamin'ereo ho:''Nanao akory andrareo gny mieriserisy anizay raha zay ao am-pondrareo? 9Ino gny moramora kokoa gny mizaka amin'gny lelahy malemy ho:''Voavela gny helokao'sa gny hoa:'Misangana, ozony gny fandrianao, dra mandehana'?10Fa ba hahafatarandrareo fa mana fahefa hamela heloky etoho an-tany gny Zanak'olo,''Ho Izy tamin'gny malemy ho:11''Zakao aminao, misangana, ozony gny fandrianao,dra mandehana agny an-tragnonao''.12Dra nisanga izy dra nagnozo gny fandriany laha tao, dra niboaky an'gny tragno manoloa aby, dra lanazo izy aby dra nagnome voninahisy an'Agnahary, dra hoy ereo ho:''Sy bo nahita raha tahaky anitiho zahay.''13Laha teo niboaky teo amoron-dranomasy draiky Izy,dra nagnato anazy avo koa gny vahoaky, dra nampianariny ereo. 14Dra gny fa niriosy Izy,dra nahita an'i Levi zanak'i Alfeo nipetraky teo amin'gny toera famoroa hetra ka hoy Izy taminazy ho:''Magnaraha Anahy.''Dra nisanga izy ka nagnaraky Anazy.15Nisakafo tao an-tragnon'i Levy Jesosy dra mpamory hetra vo olo mpanota maro gny niara-nihina taminazy vo reo mpianany, fa maro ereo gny tao dra nagnaraky Anazy.16Dra gny mpanora-dalana,ze Fariseo, gny fa nahita an'i Jesosy niara-nisakafo tamin'ereo olo mpanota vo reo ,pamory hetra,dra nagnotany gny mpianany ho:''Nanao akory gny miara-mihina amin'gny mpamory hetra vo olo mpanota?''17Gny fa nahare anizay Jesosy dra ho Izy tamin'ereo ho:''Sy gny salama gny mitalia mpisabo;fa ze marary reo avo gny mitalia anizay. Sy avy hitoka gny olo-mary zaho, fa gny olo mpanota.''18Dra nifaly hany gny mpianasin'i Jaona vo reo Fariseo. Lelahy maromaro gny nagnato Anazy nizaka taminazy ho:''Nanao akory gny mpianasin'i Jaona vo gny mpianasin'ereo Fariseo gny mifaly hany, fa gny mpianasy koa sy ba mifaly?''19Dra ho Jesosy tamin'ereo ho:''Afaky mitalia hany se gny mpagnatriky gny fampiakara raha bo eo gny mpampakasy? Raha bo miaraky amin'ereo eo gny mpampakasy, dra sy afaky mitalia hany ereo.20Ho avy gny andro hangalaky gny mpangakasy eo amin'ereo,dra amin'izay andro zay,gny hifaly hany ereo. 21Sy misy magnapy lamba tonta amin'gny lamba vaovao,raha sy zay dra hiala aminazy gny tapa-damba, gny vaovao hiala amin'gny taloha,dra vao maiky ho rasy gny fahatriatany.22Dra sy misy olo magnisy divay vaovao ao agnaty holisy tonta, raha sy zay dra ho triasy gny divay gny holisy dra samy ho levo gny divay vo gny siny holisy. Fa dram divay vaovao atao ao agnaty siny holisy vaovao.''23Tamy andro sabata Jesosy nandeha tegny amin'gny tanimbary maromaro, dra nanomboky nioty salohimbary gny mpianany. 24Dra hoy reo Fariseo Taminazy:''Hatio, nanao akory ereo gny manao raha sy araky gny lala gny andro Sabata?''25Dra ho Izy tamin'ereo ho:''Bo sy vakindrareo vasa ze bataon'i Davida gny fa tao agnatin'gny sy fahampiana vo haresea izy vo gny lelahy niaraky taminazy 26nanao akory gny fomba nilirany tao an-tragnon'Agnahary tamin'gny andron'i Abiatara mpisorognabe, dra nihina gny mofon'gny fanatreha, ze sy ara-dala ho an'iza na iza gny mihina anazy afa-sy gny mpisoro avo,dra bo nagnomezany maromaro gny ze niaraky taminazy avo?''27Jesosy nizaka ho:''Gny Sabata dra natao ho an'gny zanak'olombelo, fa sy gny zanak'olombelo gny ho an'gny Sabata. 28Noho zay, gny Zanak'olo gny Topo, dre dra amin'gny Sabata avo.''
Chapter 3

1Dra nandeha tao amin'gny Synagoga draiky Jesosy dra nisy lelahy maty tagna tao. 2Nagnety mariny Anazy gny olo sasantsasany ba hahita raha hagnasitragna anazy amin'gny Sabata Izy ba afahan'ereo magnahy Anazy.3Hoy Jesosy tamin'gny lelahy maty tagna ho:''Misanga dra misangana eto agnevon'gny olo-iaby aby.''4Dra nizaka tamin'gny olo Izy ho:''Ata-dalana se gny manao soa amin'gny andro Sabata sa gny manao rasy; gny mamozy ay, sa gny mahafaty?''Nefa ereo sy nahaloa-zaka.5Nagnaty gny tamim-pahoria Jesosy , dra nalahelo Izy nohon'gny hafatram-pon'ereo, dra nizaka tamin'gny lelahy Izy ho:''Ahisio gny tagnanao. ''Dra nahisin'gny lelahy gny tagnany dra sitrany. 6Niboaky gny Fariseo dra nokonokono malaky niaraky tamin'gny Herodiana hitalia ze fomba hamonoa Anazy.7Laha teo Jesosy , niaraky tamin'ereo mpianany, nagneo an-dranomasy, dra nisy vahoaky maro nagnaraky laha tagny Galilia vo kaha tagny Jodia 8dra laha tagny Jerosalemy vo laha tagny Edoma dra hatrany amin'gny onin'i Jordana vo magnodidy gny Tyra vo Sidona. Gny fa nahare momba gny raha nataony ereo, dra nisy vahoaky maro nagneo aminazy.Dra nampialy sambokely gny mpianany Jesosy ho anazy nohon'gny hamaroa gny olo teo, ba sy hifagnosehan'olo Izy. 10Noho Izy nagnasitra olo maro, dra nifandrombaky nagnato Anazy gny olo-iaby ze nana arety ba hakasika anazy.11Isaky gny mahita Anazy gny fagnahy maloto, dra nandohaliky teo anoloany dra nikoraky, dra ho ereo ho:''Anao gny Zanak'Agnahary.''12Nizakaky fatrasy gny ba sy hampahafatasy Anazy.13Niakasy tegny an-dohambohisy Izy, dra nitoka reo ze tiany, dra nagneo aminazy reo. 14Nanendry gny rô ambinifolo Izy ( Ze nitokavy hô Apostoly), ba hafahan'ereo miaraky aminazy vô hafahany mandefa anazy reo mitory gny hafasy ,15dra hana fahefa handroaky devoly.16Laha teo dra nanendry reo rô ambinifolo Izy: Simona, ze nomeny agnara hô Petera;17Jakoba zanak'i zebedio, vô Jaona rahalahiny, ze nomeny gny agnarany hô Boanarijery, ze mizoso hô, zana-barasy;18dra Andrea, Filipo, Baritolomeo, Matio, Tomasy, Jakoba zanak'i alfeo, Tadeo, Simona Zelota, 19dra Jodasy Iskariota, Ze hamaliky Anazy.20Dra noly tagny an-tragno Izy, dra niara-kavy draiky gny vahoaky , kay dra sy afaky nisakafo ereo. 21Gny fa nahare gny momba anizay gny fianakaviany , dra niboaky ereo hangalaky anazy, satria nizakan'ereo ho:''Levo say Izy.''22Dra gny mpanora-dalana ze nizoso laha tagny Jerosalema dra nizaka fa :''Ipetraran'i Belzaboba Izy'', ka''Amin'gny alalan'gny mpanapaly gny devoly gny androahany gny devoly.''23Dra nitokavin'i Jesosy hagneo aminazy reo dra nizaka anazy reo tamin'gny alalan'gny fagnohara ho:''Nanao akory gny hahafahan'i Satana mandroaky an'i Satana?24Raha misy fazaka mialy an-treagno , dra ho rava zay. 25Dra raha misy tokan-tragno mialy an-tragno, dra sy haharisy zay tokan-tragno zay.26Raha nisanga nanohisy gny vatany Satana dra nisaraky, dra sy haharisy, dra hifara. 27Fa sy misy afaky milisy ao amin'gny tragno lelahy mahery raiky dra mandroba gny fanagnany raha sy mamehy gny mahery aloha , dra handrobaky gny tragnony aby ereo.28Zakako mary amindrareo, ho voavela avo koa gny heloky gny zanak'olombelo, dre dra zaka rasy iaby ze aboan'gny vavany avo, 29fa ze mizaka rasy gny Fagnahy masy dra sy ho voavela heloky mandrakizay, fa ory nohon'gny ota mandrakizay.''30Nagnambara anizay Jesosy nohon'gny fizakan'ereo ho:''Mana fagnahy maloto Izy.''31Laha teo dra avy gny reniny vo gny rahalahiny dra nisanga ambaliky. Nandefa olo nampahafatasy Anazy ereo, dra nampitoka Anazy.32Nipetraky magnodidy anazy gny vahoaky dra ho ereo taminazy ho: ''Gny reninao vo reo rahalahinao dra ao ambaliky ao , dra mitalia anao ereo.''Dra Izy namaly ho:''Iza gny reniko vo gny rahalahiko?''34Dra nagnety nagnodidy tamin'gny olo nipetraky magnodidy Anazy Izy dra ho Izy ho:''Hatio, tahoky gny reniko vo gny rahalahiko!35Fa dre iza dre iza manao gny sitrapon'Agnahary, dra zay olo zay gny rahalahiko, vo anabaviko, dra reniko.''
Chapter 4

1Dra nanomboky nampianasy teo amoron'gny ranomasy draiky Izy,dra nisy vahoaky maro be niango nagnodidy Anazy. Nilisy tao amy sambokely ze teo an-dranomasy Izy,dra nipetraky tao amin'izay. Gny vahoaky aby dra nizano teo amoron'gny ranomasy. 2Nampianasy anazy reo raha maro tamin'gny alalan'gny fagnohara Izy,dra tao amin'gny fampianarany , dra zao gny nizakany tamin'ereo.3'' Tenoy, nisy mpamafy handeha hamafy .
4Dra raha namafy izy,dra nisy tegnany sasany nikoaky tamin'gny lala,dra bakany gny voro dra nihina anizay. 5Gny tegnany sasany gny niraraky tamin'gny tany feno vatovato, ze sy nisy tany firy. Avy dra nisimoky hatrany ereo,satria sy laliky gny tany nisy anazy.6Fa gny nipoaky gny masoandro,dra nahazo ereo,dra satria sy nisy vahany ereo,dra maiky. 7Gny tegnany hafa niraraky tamin'gny tany feno raha maragnisy. Dra nisimoky niha-lahibe gny tsilo reo dra nabehaziny anazy,dra sy namoa tegnany.8Gny tegnany hafa niaraky tamin'gny tany soa dra namokasy tegnany teo am-pitomboa dra nihamaro, dra gn'ilany nitombo avo telopolo heny,gn'ilany enipolo,dra gn'ilany zato.''9Laha teo hoy Izy ho:''Ze mana-sofy andesy hiteno,ao izy hiteno!''10Fa Jesosy avo,dra nagnontany Anazy momba anio fagnohara io gny ze mariny Anazy vo gny moianany rombinifolo. 11Ho Izy tamin'ereo ho:''Ho andrareo gny nagnomeza gny raha-mivony gny fazakan'Agnahary. Fa ho an'ireo ze agny ambaliky dra fagnohara avo koa, 12ba amin'gny fotoa hagnetian'ereo, egny hagnety ereo,nefa sy hahita,dra ba amin'gny fotoa hitenoan'ereo, enganie ba hahare ereo,nefa sy hahafatasy anizay,dre koa hiody ereo dra hamindra fo amin'ereo Zagnahary.''13Dra ho izy tamin'ereo ho:''Sy azondrareo se ze fagnohara zay? Nanao akory gny hahazoandrareo gny fagnohara hafa iaby zay? 14Gny mpamboly ze mamafy gny tegnany dra gny raiky ze mamafy gny zakany. 15Tahoky gny niraraky tegny an-dala ,ze namafaza gny zaka, fa gny ren'ereo zay,dra avy laha tao gny devoly dra hangalasy gny zaka ze voafafy tamin'ereo.16Tahoky gny voafafy tamin'gny tany feno vatovato,zay ,fa gny nahare gny zaka,dra nandramby anizay hatragny tamim-pifalia. 17sy misy vahany ao amin'ereo,fa fotoa maharisy avo. Dra avy gny fahoria dre gny fandrezeha nohon'gny zaka,ka avy hatragny dra lavo ereo.18Gny hafa gny voafafy tamin'gny tany feno vatovato (tsilo). Ren'ereo gny zaka,19fa gny fagnahin'izao totolo zao,gny famitahan'gny harena,vo gny fitaliava gny raha hafa dra tafilisy dra magnalahibe gny zaka,dra sy mamoa vokasy zay. 20Dra gny ze voafafy tegny amin'gny tany soa dra reo ze mahare gny zaka dra mandramby anizay, ka namoa ereo telopolo, dra avo zato henin'izay nafafy.''21Jesosy nizaka tamin'ereo ho:''Moa andesinao ao an-tragno se gny ziro ba ho atao ao agn'abony sobika, na ambanin'gny fandria? Andesinao milisy zay dra hataonao agn'abonin'gny fipetrara-ziro . 22Fa sy misy raha -mivony ze sy ho fatasy,dra sy misy siambaratelo ze sy hivoaky. 23Raha misy mana-sofy andesi-miteno ,ao izy hiteno!''24Ho Izy tamin'ereo ho:''Mitandrema amin'gny zaka ze rendrareo, fa arakaraky gny ohasy agnoharandrareo avo ,gny agnohara andrareo,dra ho ampiana amindrareo zay. 25Satria dre iza dre iza mana,dra home maro izy, dre iza dre iza sy mana, na ze anagnany avo alao aminazy.''26Dra ho Izy avo ho;''Gny fazakan'Agnahary dra tahaky gny olo raiky mamafy gny tegnany amin'gny tany.27Mandry izy amin'gny hariva dra mifoha amin'gny maraindray,dra gny tegnany dra misimoky dra masiry,fa sy fatany ho nanao akory. 28Gny tany dra mamoa amin'gny vatany avo, volohany gny rasany,laha teo gny raviny,laha teo gny tegnany hatisy eo amin'gny raviny. 29Dra gny fa hatisy gny tegnany dra laha tagny izy dra handefa fanapaha,fa avy gny fotoam-panapaha.''30Dra hoy draiky Izy ho:''Ino gny azosika ampitaha gny fazakan'Agnahary,dre ino gny fagnohara hampiasasika hagnazava anizay? 31Zay dra tahaky gny voasinapy zay ,gny fa hafafy,dra izy gny tegnany masaiky indrindra amin'gny tegnany iaby eto agn'abon'gny tany. 32Nefa,gny fa voafafy zay,dra misimoky dra lasa lahibe noho gny hazo aby,dra mamoa rasany bevety,ka azon'gny voromitily hanova gny tragnony eo amin'gny alokalony.''33Dra fagnohara maro manahaky anizay gny nagnambara gny zaka tamin'ereo, araky ze fahazoan'ereo anazy , 34dra sy nizaka tamin'ereo afa-sy tamin'gny fagnohara Izy. Saiky gny fa io Izy, dra nihazavany tamin'ereo mpianany manoka gny raha aby.35Tamin'izay andro zay, gny fa avy gny hariva ,dra ho Izy tamin'ereo ho: ''Andeha isika hita erio am-pita.''36Ka niala teo amin'ereo vahoaky ereo, ninday an'i Jessosy niaraky tamin'ereo,raha igny Izy ,tao agnaty sambokely igny. Nisy sambokely hafa nandeha niaraky taminazy. 37Laha teo nanomboky nisy tafio-drivosy be dra gny ozan-drano nagnafosy gny sambokely dra fa saiky feno rano gny sambokely.38Dra Jesosy avo nandry teo afaran'gny sambokely,tambonin'gny onda. Nifohan'ereo Izy,nanao ho:''Mpampianasy o , sy mampagnino anao se raha ho maty eto isik?'' 39Dra nifoha , dra nizaka fatrasy tamin'gny sioky , dra nizaka tamin'gny ranomasy ho:''Misahara! megnena!''Dra nizano gny sioky , ka nisy fizanognany be.40Dra ho Izy tamin'ereo ho:''Nanao akory andrareo gny matahosy? Bo sy manam-pinoa avo se andrareo?''41Feno tahosy ereo dra gny sioky vo gy ranomasy avo magneky Anazy?''
Chapter 5

1Avy tegny andafin'gny ranomasy ereo,tao amin'gny faris'i Gerasena.2Gny fa niala laha tao amin'gny sambolely Jesosy, laha teo dra nisy lelahy raiky azon'gny fagnahy maloto nagnato Anazy laha tegny amin'gny lolo.3Nipetraky tegny amin'gny lolo itiho lelahy itiko. sy nisy afaky nita anazy sasy , dre dra tamin'gny ravaky vy avo. 4Voafehy imaro tamin'gny gadra vy vo ravaky vy izy. Nitapahiny gny ravaky dra nitorotoro gny gadra vy. Sy nisy nana hery nifehy anazy.5Isaka hariva vo isan'andro tegny amin'ireo lolo vo tegny an-dohambohisy,dra nikorakoraky izy dra nananga gny tagnany tamin'gny vato maragnisy.6Gny fa nahita an'i Jesosy baka lavisy izy,dra nilomalomay nagneo aminazy dra nandohaliky teo alohany.7Dra nikoraky tamin'gny feo fatrasy izy ho:''Ino moa gny ifandraisako aminao,ry Jesosy, Zanak'Agnahary abo indrindra? Miangavy anao amin'gny agnaran'Agnahary avo koa zaho, ka mampizaly anahy.''8Fa Izy nizaka taminazy ho:''Miboaha amin'io lelahy io,ry fagnahy maloto.''9Dra Izy nagnontany anazy ho:''Iza gny agnaranao?''Ka nivaliany ho:''Legiona gny agnarako,satria marobe zahay.''10Dra niangavy fatrasy taminazy avo izy sy handroaky anazy reo agny ambaliky farisy.11Dra nisy andia-kosa niraoky tegny an-dohambohisy,12dra niangavy taminazy ereo,nanao ho:''Alefaso ao amin'ireo koso zahay;angao zahay hilisy ao amin'ireo.''13Ka dra nangany ereo;dra niboaky gny fagnahy maloto ka dra nilisy tao amin'ereo koso,dra avy dra nirifasy tegny amin'gny hantsana ho agny an-dranomasy reo, dra koso teo amin'gny ro arivo teo gny maty an-dranomasy.14Nisoaky nandosy gny nampihina gny koso dra nitao gny raha-niboaky tao an-tana vo tagny ambanivohisy, dra olo maro gny niboaky hagnety gny raha-niboaky.15Laha teo ereo nagneo amin'i Jesosy dra hitan'ereo,gny raiky ze nipetrarany legiona,nipetraky teo ,nagnisy dra vory say;ka dra natahosy ereo.16Gny ze nahita gny raha-niseho tamin'gny lelahy nipetraran'gny devoly dra nitatara tamin'ereo gny momba anizay tamin'gny asipiriany,dra nitatara momba gny koso tamin'ereo.17Dra nanomboky niangavy Anazy ereo ba hialany eo amin'gny farisin'ereo.18Gny fa hiakasy tao amin'gny sambokely izy,dra niangavy taminazy gny lelahy nipetraran'gny devoly ba hiaraky aminazy,19Saiky sy nagnenga anazy se Jesosy, fa nanao taminazy ho:''Mandehana moly agny amin'gny tragnonao vo gny fianakavianao dra tatarao tamin'ereo ze nataon'gny Topo taminao,vo gny namindrany fo taminao!''20Dra lasa noly izy dra nanomboky nagnambara gny raha-lahibe ze nataon'i Jesosy taminazy tagny Dekapolisy,dra kamo iaby.21Dra gny fa nandeha tegny am-pita draiky Jesosy,tamin'gny sambokely,dra tahoky nisy vahoaky maro dra maro niangona nagnodidy Anazy ,raha teo amoron'gny ranomasy igny Izy. 22Laha teo dra avy gny raiky amin'ereo mpitariky gny synagoga,atao ho Jairo,ka raha vo nahita Anazy,dra niatoraky amy tombony.23Nandohaliky hatragny ozy,nanao ho:''Marary fatrasy fa ho maty gny zanako ampela. Mandohaliky aminao zaho,avia dra apetraho aminazy gny tagnanay ba ho sitrany vo ho velo izy.''24Dra lasa niaraky taminazy Izy,dra vahoaky maro dra maro gny nagnaraky vo nagnery nagnadidy anazy.25Dra nisy ampela raiky teo voanin'gny fahalevogna-dra nandrisy gny roambiny folo tao. 26Nizaly be tokoa izy dra nitety mpisabo maro vo nandany gny fanagnany aby,nefa sy nahita fahasitrana fa vo maiky avo niharasy. 27Gny fa nahare gny tatisy momban'i Jesosy izy,dra nagnao afarany tao agnatiny vahoaky izy dra nikasiky gny fiakazoany.28Satria ho ereo:''Raha mahakasiky gny lambany avo zaho,dra ho sitrany.''29Gny fa nikasiky Anazy izy,dra nizano gny fahaverezan-dra,dra sapany avo agnatiny fa sitrana tamin'gny aretiny izy.30Fatasin'i Jesosy niaraky tamin'izay fa nisy hery niala laha taminazy. Nitoliky tagny amin'gny vahoaky Izy dra nizaka ho:''Iza gny nikasika gny ankazony?''31Dra namaly Anazy gny mpianany ho:''Hitanao gny vahoaky maro be mifanesy aminao gny dra hoy anao ho:''Iza gny nihasy Anazy.''32Fa nagnety gny magnodidy Anazy Jesosy ba hahitany ze nanao anizay.33Gny ampela, nahafatasy ze raha nisy taminazy,dra natahosy vo nangitikitiky . Nandeha izy dra niatoraky teo alohan'i Jesosy dra nizaka taminazy gny mary aby. 34Dra hoy Jesosy taminazy ho:''Anaky,gny finoanao gny nahasitrany anao. Mandehana amin'gny fiadana dra sitra amin'gny aretinao.''35Raha bo nizaka Izy,dra avy gny olo gn'ilany laha tagny amin'gny mpitariky gny Synagoga, nanao ho:''Fa maty gny zanakao. Nanao akory gny bo manahira gny mpampianasy avo?''36Fa gny nahare ze nizakan'ereo Jesosy, dra ho Izy tamin'gny mpitariky gny synagoga ho:''Ka matahosy . Minoa avo .''37Dra sy nisy nangany hiaraky aminazy,afa-sy Petera, Jakoba,dra Jaona,rahalahin'i Jakoba,38Avy tagny an-tragnon'gny mpitariky gny synagoga ereo dra nahita olo nikorakoraky fatrasy teo Izy; nitomagny vo nidradradra fatrasy ereo.39Gny fa nilisy gny tragno Izy,dra ho Izy tamin'ereo ho:''Nanao akory andrareo gny mikorakoraky vo mitomagny? Sy maty gny zaza fa mandry.''40Niomehy Anazy ereo. Nefa naboakiny tagny ambaliky izy aby dra nangalaky gny rany vo renin'gny zaza vo reo ze niaraky taminazy,dra nilisy tao amin'gny efisy nisy gny zaza Izy.41Nirambesiny gny tagnan'gny zaza dra nizaka taminazy ho:''Talita, Komy!''ze raha adika dra ho:''Razazavavy, mizaka aminao Zaho, misanga.;;42Laha teo sea nisanga razazavavy dra nandeha (satria ro ambiny folo tao izy).Kamo laha teo ereo. 43Nirarany fatrasy ereo ba sy hisy dre iza dre iza hahafatasy gny momba anizao. Laha teo dra nameny hany gny razavavy.
Chapter 6

1Niriosy any toera io Izy dra namozy gny tanindrazany,dra nagnaraky Anazy reo mpianany. 2Dra gny fa avy gny andro sabata,dra nampianasy tao amin'gny synagoga Izy. Maro gny olo nahare Anazy dra gaga ereo. Ho ereo ho:''Laha teza gny nahazoany gny fampianara reo?''''Ino zao?''Ino gny fahalasa ze nataony tamin'gny tagnany reo?''3''Sy gny mpandrafisy se io,gny zanak'i Maria dra rahalahin'i Jakoba vo Josesy vo Jodasy dra Simona? Sy miaraky amisika eto se gny anabaviny?'' Tafitohy tamin'i Jesosy ereo.4Dra hoy Jesosy tamin'ereo ho:''Sy misy mpaminany sy omen-kaza,afa-sy ao amin'gny tanindrazany vo ao amin'gny havany mariny dra ao amin'gny havany manoka avo.''5Sy afaky nanao asa mahalasa Izy,afa-sy gny fametrahany tagna amin'gny marary kelikeliky dra magnasitra anazy reo.6Gaga nohon'gny sy finoan'ereo Izy.Laha teo nandeha nagnodidy gny tana Izy hampianasy.7Laha teo dra nitoka gny ro ambinifolo lahy Ozy dra nanomboky nagniraky anazy siroaroa,dra nomeny fahefa teo amin'gny fagnahy maloto ereo,8dra ino amin'gny liany,na mofo,na kitapo,na vola amin'gny fehi-tron'ereo afa-sy begegy avo 9fa hanao kapa,dra sy hanao akazo ro.10Ho Izy tamin'ereo ho:''Dre ombia dre ombia andrareo milisy amy tragno raiky,dra mitoera ao mandra-pialandrareo agny.11Dra raha misy tana sy mandray andrareo dre miteno andrareo avo zay ,dra ahisagno gny botany amin'gny tombondrareo ba ho fizoroa vavolombelo amin'ereo.''12Dra niala ereo dra nitory fa gny olo dra tokony hibebaky amin'gny fahotany.13Nandroaky devoly maro ereo,dra nagnososy marary maro tamin'gny dililo dra nagnasitra anazy reo.14Ren'i Heroda Pazaka zay,satria lasa fata-daza gny agnaran'i Jesosy.Gn'ilany nizaka ho:''Nisanga tamin'gny maty Jaona mpanao batisa dra noho zay,dra miasa ao agnatiny gny hery mahalasa reo.''15Fa gn'ilany koa nizaka ho:''Mpaminany Izy,tahaky gny raiky amin'ereo mpaminany tamin'gny andro taloha.''16Fa gny nahare anizay Heroda dra ho izy ho:''Jaona,gny nitapahiko loha,gny nisanga tamin'gny maty.''17Fa Heroda gny nampanambosy an'i Jaona dra nandefa anazy tagny an-tragnomezy nohon'gny raharaha Herodiasy (valin'i Filipo rahalahiny),satria nivaliny rapela.18Fa Jaona nizaka an'i Heroda ho:''Sy araky gny lalana gny hagnambalianao gny valin'gny rahalahinao.''19Fa ory taminazy Herodiasy dra nitalia ze hamonoa anazy,saiky sy afaky,20nohon'gny fatahoran'i Heroda an'i Jaona; fatany fa olo-mary vo feno fahamasigna izy, dra niaro anazy ,kanefa bo niteno anazy tamim-pifalia izy.21Laha teo nisy irika tamin'gny fisingeregnan'gny tao nahaterahan'i Heroda dra nanao fanasa ho an;ereo lahibeny,vo gny mpifehiny ,dra gy mpitariky gny Galilia izy. 22Dra nilisy gny efitragno fasana gny zanakapelan'i Herodiasy dra nisizaky ho anazy reo,dra nahafalifaly an'i Heroda vo gny vahiny nasay tamin'gny fisakafoana izy.Hoy gny pazaka tamin-drapela ho:''Angataho aminahy aby ze tianao dra omeko anao zay.''23Dra miniania taminazy izy nanao ho: ''Na ino na ino angatahinao aminahy,dra homeko anao,hatramin'gny asasaky gny fazakako.''24Dra niboaky izy dra nizaka tamin'gny reniny ho:''Ino gny tokony angatahiko aminazy?''Dra hoy gny reniny ho:''Gny lohan'i Jaona mpanao Batisa.'' 25Teo no eo dra nihery tagny amin'gny pazaka izy,dra nangataky,nanao ho:''Tiako omenao anahy, dra zao, eo agn'abony finga gny lohan'i Jaona mpanao batisa.''26Dre dra nampalahelo fatrasy gny pazaka avo zay,dra sy afaky nanda gny fangatahany izy nohon'gny fininiany nataony vo noho gny vahiny nasany tamin'gny fisakafoana. 27Noho zay dra nandidy miaramila raiky laha tamin'gny mpiamby gny pazaka dra nandidy anazy hinday gny lohan'i Jaona ho eo aminazy. Nandeha gny mpiamby dra nanapaky gny lohany tao an-tragnomezy. 28Nandesiny teo agn'abo finga gny lohany dra natolony an-drapela,dra gny zazapela nanolosy anizay an-dreniny,dra avy ereo dra nangalaky gny nofony dra nametraky anizay tao an-dolo.30Nihery tagny amin'i Jesosy gny apostoly dra nitatara taminazy aby ze vitan'ereo vo nampianarin'ereo. 31Dra ho Izy tamin'ereo:''Andeha isika ho agny agn'efisy dra hiala sasasy kely.''Fa maro gny olo gny niherikery,dra sy nanam-potoa hihina sakafo avo ereo. 32Dra nandeha amy sambokely ereo ba ho agny amin'gny tany rava.33Fa ereo nahita anazy reo nandeha dra maro gny nahafatasy anazy reo,dra niara-nilomalomay an-tomboky laha tagny amin'gny tana aby ereo,dra avy teo talohan'ereo.34Gny fa avy tegny amin'gny morony ereo,dra nahata vahoaky maro Izy dra onena anazy reo Izy satria tahaky gny agn'ondry sy mana mpiandry ereo.Dra nanomboky nampianasy raha amro anazy reo Izy.35Dra gny fa hariva gny andro,dra nagnato Anazy reo mpianany dra nanao ho:''Toera rava itiho dra gny andro fa madiva ho hariva sahaly. 36alefaso ereo ba handehanany agny amin'ereo vohisy vo tana magnodidy hivily hany ho agny vatan'ereo.''37Fa namaly Izy dra nanao tamin'ereo hô:''Omeondrareo raha hoany ereo.''Dra hô ereo taminazy hô:''Afaky mandeha dra mivily mofo azin'gny denaria rozato se zahay ka hagnome anizay anazy reo hoany?''38Dra hô Izy tamin'ereo hô:''Firy gny mofo anagnandrareo?Mandehana dra atio.''Gny fa hitany,dra hô ereo hô:''Mofo dimy vo hazandrano rô.''39Dra nandidy gny olo aby ba hipetraky misitokotoko teo amin'gny ahi-meso Izy. 40Dra nipetraky an-tokony ereo; an-tokony zato vo dimapolo. 41Nangalaky gny mofo di,y vo hazandrano ro Izy, niandrandra gny lagnisy dra nisaotra ka nizarazara gny mofo dra nanolosy anizay tamin'ereo mpianasy ba hpme eo agnolohan'gny olo. Nizarany avo koa gny hazandrano ro ho an'ereo aby.42Dra nihina avo koa ereo aby nandrapahavisy anazy reo.43Nalan'ereo gny sombisombiny mofo,ze nahafeno roambinifolo vaha milopolopo,dra gny ambin'ireo hazandrano.44Nisy dimy arivo reo lelahy nihina gny mofo.45Teo no ho eo dra nasany niakasy tao asambokely gny mpianany ba hialoha Anazy egny andafiny,ho agny Betsaida,raha nandefa gny vahoaky Izy. 46Gny fa nandeha ereo,dra niakasy tagny an-dohambohisy Izy ba hivavaky. 47Avy gny hariva,dra fa teo agnevon'gny ranomasy gny sambokely ,fa io tegny androanga izy.48DRa hitany fa sahira fatrasy ereo nivoy gny sambokely,satria nanohisy fatrasy anazy gny sioky . Teo ho eo amin'gny lera fiambena fahefasy gny hariva dra nagneo amin'ereo Izy,nandeha tegny agn'abony ranomasy,dra te-hiriosy teo amin'ereo Izy.49Fa gny nahita Anazy nandeha tegny agn'abo ranomasy ereo ,dra niheverin'ereo ho hangasy Izy dra nikoraky ereo,50satria nahita Anazy ereo dra lasa natahosy.Teo no eo dra nizaka tamin'ereo Izy dra nizaka anazy gny hô:''Matokia! Zaho avo itihô! Ka matahosy!''51Dra nilisy tao amy sambokely niaraky tamin'ereo Izy,dra nizano sy nisioky gny sioky. Dra kamo tateraky ereo.52Dra sy takasy gny sain'ereo gny dikan'gny mofo.Fa dra,nihamafy gny fon'ereo.53Gny fa tafita ereo,dra avy tao Genesareta gny dra nitokatoka tao. 54Dra gny fa nizoso laha tao amin'gny sambokely ereo,avy dra fatany gny olo tao Izy,55dra nilomalomay nagnera gny farisy aby ereo dra nanomboky ninday gny marary tamin'gny fandriany tagny amin'izay aby ren'ereo misy Anazy.56Fa dre teza dre teza nandehanany dre tana-lahibe,dre tegny amin'gny vohisy masaiky,dra napetrak'ereo teo amin'gny kiaza gny marary. Niangavy Anazy ereo ba hagnenga anazy reo hihasy gny rambon'akazony,dra gny maro ze nihasy Anazy dra sitrany.
Chapter 7

1Gny fariseo vo gny mpanoradalana sasany ze laha tagny Jerosalema dra avy niango nagnodidy Anazy.2Dra hitan'ereo mpianany sasany nihina mofo tamin'gny tagna sy voalio,zay ho, sy voasasa.3( Fa gny Faroseo vo gny Jiosy aby dra sy ba mihina raha sy fa nanasa gny tanin'ereo,satria magnaraky gny fombafomban'ereo loholo.)4Dra gny fa mihery laha tagny asena gny Fariseo,dra sy mihina ereo raha sy baka nandro,dra mitandry fomba maro hafa fatrasy ereo,tahaky gny fanasa gny kapoaky,vo gny famarana,vo fanaky varahina,dra fandria ze ihinanan'ereo.)5Gny Fariseo vo gny mpanoradalana nagnontany an'gny Jesosy ho:''Nanao akory gny mpianasy gny sy mandeha araky gny fombafomban'ereo loholo,fa mihina gny mofon'ereo amin'gny tagny sy voasasa?''6Nefa ho Jesosy tamin'ereo : ''Isaia naminany soa momba andrareo mpihasaravelasihy. Nisoratany ho:'Itiho vahoaky itiho magnaza anahy amin'gny havoany,fa gny fony koa lavisy Anahy.7Rava gny fivavaha atolon'ereo Anahy,raha mampianasy gny fisipik'olombelo ho fampianaran'ereo.8Afoindrareo gny didin'Agnahary dra tana fatrasy gny fomban'olo.''9Dra hoy avo koa Izy tamin'ereo;''Nanao akory gny fagnariandrareo gny didin'Agnahary ba hitandremandrareo gny fomban-drazandrareo! 10Fa hoy Mosesy:'Magnaza gny ranao vo gny reninao,'dra koa,Ze mizaka rasy gny rany na gny reniny dra ho maty vatany.'11Kanefa andrareo mizaka ho:'Raha misy lelahy raiky mizaka gny rany na gny reniny ho:''Dre ino dre ino tianao ho azo taminahy dra fa Korbana,''(zay ho:'Nome an'Agnahary)12dra sy angandrareo hanao dre ino dre ino amin'gny rany vo gny reniny sasy izy . 13Mandrava gny zakan'Agnahary andrareo noho gny fomban-drazandrareo ze nitanandrareo. Dra raha maro mitovy amin'izay koa gny ataondrareo.''14Dra nitoka gny vahoaky draiky Izy dra nizaka tamin'ereo ho:''Mitenoa Anahy, andrareo aby,dra fatako. 15Sy misy raha laha teo ambaliky ze milisy ao agnatin'gny olo dra afaky mahaloto anazy gny fa milisy ao aminazy. Fa ze mivoaky laha tao agnatin'gny olo gny mahaloto anazy.'' 16[ Gny fandika soa indrindra dra sy magnisy gny andininy faha 16:Raha misy mana-sofy hiteno,ao izy hiteno.]17Dra gny fa niala teo amin'gny vahoaky Jesosy dra nilisy tao an-tragno, gny mpianany nagnontany Anazy momba gny fagnohara. 18Hoy Jesosy taminazy:''Iandrareo koa se bo sy mana fahalala? Sy hita andrareo se fa zay aby milisy ao agnatin'gny olo laha tagny ambaliky dra sy mahaloto anazy,19satria sy afa-milisy ao am-pony zay,fa ao an-trony avo dra miboaky agny amin'gny fiboahany?''Tamin'izay fanambalia zay dra nahavy gny hany aby ho malio i Jesosy.20Ho Izy:''Ze miboaky laha tao amin'gny olo gny mahaloto anazy. 21Fa laha tao agnatin'olo, laha tao am-pony,gny iboahan'gny say-rasy,gny fahavetaveta, gny halasy ,gny famonoan'olo,22gny fizangazanga, gny fisiririta, gny harasiam-pagnahy,gny fitaka,gny fizezozezoa,gny fialogna,gny fiampanga vandy,gny avognavo,gny hadala.23Zay raha-rasy aby zay gny miboaky baka ao agnatin'gny olo,dra gny mahaloto anazy.''24Niala teo Izy dra nandeha tagny amin'gny farisy Tyro vo sidona. Nilisy raiky tao an-tragno Izy dra sy tiany ho fatasin'iza na iza fa tao Izy,kanefa sy afaky niery. 25Kanefa niaraky tamin'izay dra nisy ampela raiky,ze nisy fagnahy maloto raiky gny zanakapelany masaiky, nahare gny aminazy,avy, dra nandohaliky teo atombony.26Dra Grika gny ampela,Syro-foinika gny niaviany. Niangavy taminazy izy ba hampiala gny devoly hiala amin'gny zanakapelany.27Ho Izy taminazy :''Ao homen-kany aloha gny zaza. Satria sy mety gny mangalaky gny mofo-zaza dra manoraky anazy ho an'gny amboa.''28Nefa namaly izy dra nanao taminazy ho:''Eka, Topo ,fa gny amboa ao ambany latabasy avo dra ba mihina gny lasalasaky amin'gny mofo-zaza.''29Dra ho Izy taminazy:''Noho zay zakanao zay,afaky mandeha anao. Fa niboaky tamin'gny zanakao ampela gny devoly''. 30Dra raha nihery tagny an-tragnony rapela dra nahita gny zaza nandry teo agn'abon'gny fandria ,dra gny devoly fa niala.31Dra Jesosy niboaky draiky niala gny farisy Tyro,dra namaky an'i Sidona hatragny amin'gny Ranomasin'gny Galilia dra niakasy gny farisy Dekapolisy.32Dra nandesin'ereo teo aminazy gny olo raiky maregny sady sahira raha mizaka,dra nandohaliky Taminazy reo ba hametrahany gny tagnany aminazy.33Ninday an-dralelahy nitoka niala teo amin'gny vahoaky Izy,dra nametraky gny rasa-tagnany tao asofiny Izy, dra raha baka nandrora,dra nikasiky gny lelany.34Dra niandrandra gny lagnisy Izy,dra nisento dra nanao taminazy ho:''Efata,''zay ho: ''Maladia!''35Dra malaky teo gny sofiny dra nalady,dra ze namehy gny lelany dra toro dra afaky nizaka mazava soa izy.36Dra Jesosy nandrara anazy reo sy hizakazaka dre amin'iza dre iza. Kanefa dre dra nirara avo ereo,vao maiky nampiely anizay avo.37Dra gaga tateraky gny olo,dra nizaka ho:''Nataony soa iaby gny raha aby. Nataony mahare avo gny ,maregny dra mizaka gny moana.''
Chapter 8

1Tamin'izay andro zay,dra nisy vahoaky marobe draiky,dra sy nanankohany ereo. DRa nitoka gny mpianany Jesosy nizaka tamin'ereo ho:''2 Mampahonena Anahy reo gny nanohy niaraky taminahy dra sy manan-kohany. 3Raha alefako moly agny an-tragnony sy misakafo reo,dra mety ho safosy an-dala. Gn'ilany amin'ereo dra laha tagny amin'gny lalan-davisy . ''4Namaly Anazy reo mpianany ho:''Eza gny hahazoasika mofo apy hahavoky gny vahoaky reo etiho an-tany avo manahaky anizao/''5Nagnontany anazy Izy ho:''Firy gny mofo anagnanandrareo?''Ho izy reo ho:''Fito''6Nandidy gny vahoaky ba hipetraky amin'gny tany Izy. Nirambesiny gny mofo fito,dra nisaotra Izy,dra nanapaky reo. Natolony gny mpianany zay ba ho zaran'ereo amin'gny vahoaky ,dra napetrak'ereo teo alohan'gny vahoaky zay.7Dra bo nana hazandrano kelikeliky avo koa ereo,dra gny fa baka nisaotra ereo,dra nandidy reo mpianasy ba handroso anizay koa Izy.8Dra nihina ereo dra voky,dra nalan'ereo gny sombisombiny tavela,ze nahafeno sobika fito lahibe. 9Tokony ho efasy arivo teo ho eo gny olo tamin'izay. Bakeo dra niakasy tao amy sambokely niaraky tamin'ereo mpianany Izy,dra nandeha nagnagny amin'gny faris'i Dalmanota ereo.Dra niboaky reo fariseo dra nanomboky nifagnakany taminazy . Nitalia famatara laha tagny an-dagnisy taminazy reo,ba hisapa Anazy. 12Nihay laliky tagny amin'gny fagnahiny Izy dra nizaka ho:''Nanao akory gny mitalia famatara itiho taranaky itiho? Nefa zakako mary amindrareo,fa sy misy famatara ome itiho taranaky itiho zay.''13Laha teo niriosy anazy ereo,niakasy tao amy sambokely draiky,dra niala lavisy ho egny andafiny.14Dra adigno gny mpianasy gny ninday mofo niaraky tamin'ereo. Sy nana mihoasy gny raiky ereo tao agnaty sambo. 15Dra nampitandry anazy reo Izy dra nizaka ho:''Miambena dra mitandrema amin'gny masirasiran'ereo Fariseo vo gny masirasiran'i Heroda.''16Dra nifagnontany tegna gny mpianasy ho:''Noho isika sy mana mofo zay.''17Fatasin'i Jesosy zay,dra ho Izy tamin'ereo ho:''Nanao akory gny amin'gny sy fanagna mofo gny fisaignandrareo? Bo sy azondrareo se? Bo sy takasindrareo se? Nazary sy nahay se gny fondrareo?18Mana maso andrareo,fa sy mahita se? Mana-sofy andrareo,fa sy mahare se? Sy tadidindrareo se? 19Gny fa nanapaky gny mofo dimy ho an'gny olo dimy arivo zaho,dra sobika firy feno sombisombiny mofo gny navorindrareo?'' Ho ereo taminazy ho:''Roambinifolo.''20Gny fa nanapaky gny mofo fito ho an'gny olo efasy arivo zaho,firy sobika gny ambiny navorindrareo?''Ho izy reo taminazy ho:''Fito.''21Dra ho Izy ho:''Bo sy takasindrareo avo se?''22Avy tagny Betsida ereo. Dra nisy poaky raiky nandesin'olo teo aminazy dra niangavian'ereo Jesosy ba hikasika anazy. 23Nandesin'i Jesosy tamin'gny tagnany gny poaky,dra nitariky anazy hiboaky gny tagnany . Gny fa nandrora teo amin'gny masony Izy dra nametraky gny tagnany teo aminazy ,dra nagnontany anazy ho:''Mahita raha se anao?''24Dra nitraka izy ,dra nizaka ho:''Mahita olo tahaky gny hazo mandehandeha zaho.''25Napetrak'i Jesosy teo amin'gny masony draiky gny tagnany,dra nahirasy gny lelahy gny masony,dra nihery tamin'gny laoniny gny fahaita,dra nahita mazava soa gny raha aby izy. 26Dra nalefan'i Jesosy noly izy dra nizakany ho:''Ka milisy ao an-tana.''27Nandeha niboaky Jesosy vo gny mpianany nagnany amin'gny tanan'i Kaisaria Filipo. Tegny an-dala dra nagnontany gny mpianany Izy ho:''Hataon'gny olo iza moa zaho:''Jaona mpanao batisa . Gny hafa mizaka ho:'Elia'. dra gny hafa ho:''Raiky amin'ereo mpaminany.''29Nagnontany anazy reo Izy ho:''Fa andrareo dra manao Anahy ho Iza?''Dra namaly Anazy Petera ho:''Anao gny Kristy.'' 30Nampitandry anazy reo Jesesy sy hizaka gny momba Anazy na amin'iza na amin'iza.31Nanomboky nampianasy anazy Izy fa sy maisy hizaly gny Zanak'Olo, dra handa gny loholo vo reo lohan'gny mpisoro dra mpanora-dalana,dra ho vonoko ,dra hisanga amin'gny maty afaky telo andro.32Nizakany mazava soa zay. Laha teo nitokavin'i Petera mangingiky Jesosy dra nanomboky nizaka fatrasy Anazy.33Nefa nitoliky Jesosy dra nagnety reo mpianany dra bakeo nizaka fatrasy an'i Petera dra nanao ho:''Miala lavisy Anahy, ry devoly! Sy ba misay gny rahan'
34Laha teo dra nitoka gny vahoaky vo gny mpianany niaraky izy,dra ho Izy tamin'ereo ho:''Raha misy te-hagnaraky anahy.dra sy maisy manda gny vatany izy, mangalaky gny hazo fizaliany,dra magnaraky Anahy.35Dre iza dre iza te-hamozy gny ay dra hahlevo zay,dra ze mahalevo gny ay noho gny aminahy vo gny filazasara, dra hahavozy anizay. 36Fa ino seky gny tombosoa azon'gny olo raiky,raha mahazo anizao totolo zao,dra bakeo levo gny ainy?37Ino gny afaky omen'gny olo raiky ho takalon'gny ainy?38Dre iza dre iza megnasy Anahy vo gny zakako eto amin'itiho taranaky mizangazanga vo mpanota itiho,dra ho megnasy anazy avo koa gny Zanak'olo gny fa avy ao amin'gny voninahisy gny Rany miaraky amin'ereo azely masy Izy.''
Chapter 9

1Ho Izy tamin'ereo ho:''Zakako amindrareo mary tokoa,fa misy amindrareo ze misanga eto gny sy hagnandra anizay fahafatesa zay mialohan'gny hahitan'ereo gny fazakan'Agnahary ze ho avy amin'gny hery lahibe.''2Dra enina andro tatiho afara ,dra nandesin'i Jesosy niaraky taminazy Petera vo Jakoba dra Jaona tegny amin'gny an-dohambohisy agn'abo,dra ereo avo gny tagny, bakeo niova tarehy teo anatrehan'ereo Izy.3Gny fiankazoany , dra fosy indrindra,fosy mihoasy gny raha nampamosia indrindra teto agn'abony tany.4Baka eo Elia vo Mosesy niboaky tamin'ereo,sea niresaky tamin'i Jesosy ereo. 5Petera namaly dra nizaka tamin'i Jesosy ho:''Mpampianasy o,soa raha mitoesy eto isika,koa andeha hanao gny telo,gny raiky ho anao,gny raiky ho an'i Mosesy ,dra gny raiky ho an'i Elia.''6(Fa sy fatany ze tokony ho zakany,satria natahosy fatrasy ereo.)7Nisy raho avy dra nanaro anazy rea. Dra nisy feo niboaky ao agnatin'gny raho ho:' Itiho gny Zanako Malalako. Mitenoa Anazy.''8Tapoky teo,raha nagnety gny magnodidy ereo ,dra sy nahita na iza na iza ,dra sy nahita nre iza dre iza say ,afa sy Jesosy raiky avo.9Raha niboaky laha tagny an-dohambohisy ereo,dra nididiny fatrasy ba sy hizaka dre amin'iza dre amin'iza gny raha hitan'ereo,raha sy fa misanga amin'gny maty gny Zanak'olo.10Dra nitanan'ereo ho anazy reo zay zaka zay,kanefa nifampagnontany reo gny amin'gny mety ho dikan'izay ''Fisangana amin'gny maty''zay.11Nagnontany Anazy ereo ho:''Nanao akory reo mpanora-dala gny magnambara fa sy maisy ho avy mialoha Elia?''12Dra ho Izy tamin'ereo ho:''Fa avy volohany Elia hagnary gny raha aby . Dra nanao akory gny voasorasy fa gny Zanak'olo dra hizaly fatrasy amin'gny raha maro dra hatao manahaky gny olo sy misy dikany? 13nefa zakako amindrareo fa avy Elia,dra nataon'olo taminazy ze sitraky gny fony,araky ze fa voazakan'gny sorasy Masy momba anazy.''14Dra gny fa nihery teo amin'gny mpianasy ereo,dra nahita vahoaky maro nagnodidy anazy dra reo mpanora-dalana nialy hevisy taminazy. 15Raha vao nahita an'i Jesosy ereo,dra nalemy gny vahoaky aby dra raha igny nilomalomay nagnato Anazy igny ereo dra niarahaba Anazy. 16Nagnontany reo mpianany Izy ho:''Momba gny ino gny hialiandrareo hevisy amin'ireo.''17Dra nisy raiky tamin'ereo vahoaky namaly Anazy ho:''Mpampianasy o, nandesiko ho eto aminao gny zanadahiko. Misy fagnahy rasy sy mampizaka anazy izy. 18Manambosy anazy io dra mampizerazera anazy dra mandoa vory izy, mikitro-nify,dra nazary miheza izy. Nangataky tamin'ereo mpianasiko gny vatako ba hamoaky anizay hiala aminazy,kanefa sy vitan'ereo zay.''19Dra namaly anazy reo Izy ho:''Ry taranaky sy mino,mandraky ombiq gny hipetrarako ero amindrareo? Ombia gny handefasako amindrareo? Andeso etiho aminahy izy.''20Dra nandesy teo aminazy gny zazalahy,dra raha vao nahita an'i Jesosy gny fagnahy rasy,dra nampifanitosito anazy zay. Nilavo tamin'gny tany gny zazalahy dra feno tany gny vavany. 21Jesosy nagnontany gny rany hô:''Hafiria gny nahazo anazy manahaky anizao?''Dra hô gny rany hô:''Fa hatramin'gny fahazazany.''22Kindraindraiky io fagnahy rasy io nandavo anazy tagny anaty afo dre tagny agnaty rano dra nanandra gny hamono anazy.Raha mahay manao gny raha aby anao,dra feregneso zahay dra ampio zahay.''23Jesosy nizaka taminazy ho:''Raha mahay anao?24Gny raha aby dra hain'izay mino.''Dra niaraky tamin'izay gny ran'gny zaza dra nikoraky fatrasy nanao ho:''mino zaho! Apio zaho amin'gny sy finoako!''25Gny fa hitan'i Jesosy reo vahoaky nilomalomay nagnato anazy reo,dra nizakany fatrasy gny fagnahy maloto dra nanao ho:''Ry fagnahy moa vo maregny, mandidy anao zaho,miboaha aminazy,dra ka mihery milisy ao aminazy sasy.''26Nikoraky fatrasy anizay dra nampifanitony fatrasy gny zazalahy vo bakeo niboaky. Tahaky gny olo maty gny zazalahy,dra maro gny nizaka ho:''Maty izy.''27Fa Jesosy nadray anazy tamin'gny tagnany dra nagnazary anazy,dra nisanga gny zazalahy.28Dra gny fa nilisy tao an-tragno Jesosy,dra nagnontany Anazy manoka reo mpianany ho:''Nanao akory zahay gny sy nahavoaroaky gny fagnahy rasy?''29Ho Izy tamin'ereo ho:''Gny tahaky anio dra sy afaky roasy afa-sy amin'gny alalan'gny vavaky.''30Niala teo ereo dra niriosy tagny Galilia. Sy tiany ho fatasin'iza dre iza hô teza ereo,31fa nampianasy reo mpianany Izy . Hô Izy tamin'ereo hô: ''Gny Zanak'olo dra hatolosy egny an-tagnan;gny olo,ka ho vonon'ereo Izy. Dra gny fa voavono Izy,dra hisanga amin'gny maty draiky afaky telo andro.''32Fa sy takas'ereo io fagnambara io,dra natahosy ereo hagnontany Anazy.33Bakeo avy tao Kapernaomy ereo. Gny fa baka nilisy tao an-tragno Izy dra nagnontany anazy reo ho:''Ino gny raha nifampiresahandrareo tegny an-dala?''34Fa sy nizaka reo.Satria fa nialy hevisy tegny an-dala ereo gny amin'izay lahibe indrindra.35Nipetraky, dra nitoka reo roambinifolo lahy niaraky Izy dra nizaka tamin'ereo ho:''Raha misy te-ho volohany ,dra sy maisy farany amin'gny raha aby izy dra ho mpanompon'gny aby.''36Nangalaky zazamasaiky raiky Izy dra nataony teo agnevon'ereo. Nitrotrony tegny amy vatany izy dra nizaka tamin'ereo ho:''Dre iza dre iza mandramby gny zaza manahaky anizao amin'gny agnarako,dra mandramby Anahy koa, ka misy mandramby Anahy,drasy mandramby Anahy avo izy,fa gny nagniraky anahy koa.''38Ho Jaona taminazy hô:''Mpampianasy o,nahita olo namoaky devoly tamin'gny agnaranao zahay dra niraranay izy,satria sy magnaraky asika.''39Fa Jesosy nanao hô:''Ka mandrarea anazy,fa sy misy olo hanao asa lahibe amin'gny agnarako nefa selasela afaran'izay avô dra hizaka raha rasy momba Anahy.40Dre iza dre iza manohisy asika dra momba asika.41Dre iza dre iza magnome anao rano eran'gny kopy ho nomy satria an'i Kristy anao,dra zakako aminao mary tokoa,fa sy ho levo gny valim-pitiany.42Fa dre iza dre iza manafitohy gny raiky amin'ereo kely mino Anahy reo,dra soa ho anazy gny agnato vato lahibe fikosoham-bary mifehy eo amin'gny vozony dra hazera agny an-dranomasy. 43Raha gny tagnano gny mahavy anao ho tafitohy,tapaho zay. Fa soa aminao gny milisy manakandra agny amin'gny fiaigna manahaky ze mana tagna-drô dra handeha agny amin'gny helo,agny amin'gny afo sy mety vono. 44[ Fanamariha :Gny fandika soa indrindra dra sy magnisy gny fehezaka ao amin'gny andininy faha 44 vo 46 hô:''Ze sy maty mihisy gny kakan'ereo dra gny afo sy ho maty mandrakizay.'']45Raha gny tombonao gny manafitohy anao,tapaho zay.Soasoa aminao gny milisy mandringa agny amin'gny fiaigna noho gny mana tomboky ro dra haria agny amin'gny helo.46[ Hatio gny fagnamariha eo amin'gny andininy faha 44]47Raha gny masonao gny manafitohy anao,alao hiala zay. Soa aminao gny milisy gny fakazakan'Agnahary miaraky amin'gny maso tokona manahaky ze maso ro dra haria agny amin'gny helo , 48agny amin'gny toera ze sy mahafaty gny kakan'ereo ,dra gny sy mety vono.49Fa gny olo aby dra samy ho voasira amin'gny afo. 50Soa gny sira,fa raha gny sira gny avy masaso,nanao akory gny sira ao amindrareo,dra mihavana amin'gny kirairaiky aby.''
Chapter 10

1Niala teo amin'izay toera zay Jesosy dsra nandeha tagny amin'gny farisin'i ijodia vo tegny amin'gny farisy ambanin'gny Reniranon'i Jordana ,dra nagneo aminazy ndraiky gny vahoaky.Dra araky gny fanaony,dra nampianasy anazy reo ndraiky izy. 2Dra nagnato Anazy reo fariseo ba hisapa Anazy dra dra nagnontany ho:''Ara-dalana ho an'gny lelahy se gny misaraky amin'gny valiny?''3Namaly Izy ho:''Ino gny nandidian'i Mosesy anadrareo?''4Dra ho ereo ho:''Mosesy dra nagnenga gny lelahy raiky hanorasy taratasy fanamarina fisaraham-panambalia dra mandefa anazy laha teo.''5Ho Jesosy tamin'ereo ho :''Nohon'gny hamafin'gny fondrareo gny nanoratany ho andrareo anizay lalana zay.''6Fa tagny am-piandohan'gny famoronona, 'Zagnahary nanao anazy ho lahy vo ampela.'7' amin'izay atony zay dra hagnenga gny rany vô gny reniny gny lahy dra hikamba amin'gny valiny,8dra hazary ho nofo raiky izy rô.' Dra sy ho rô sasy ereo,fa ho nofo raiky avo. 9Koa ze nakamban'Agnahary,dra ao sy ho sarahin'olombelo.''10Dra gny fa tao an-tragno ereo,dra bo nagnery nagnontany mikasiky anizay ndraiky reo mpianasy.11Ho izy tamin'ereo ho:''Dre iza dre iza lelahy misaraky amin'gny valiny dra magnakasy ampela hafa dra mizangazanga.12Raha misaraky amin'gny valiny gny ampela dra manambaly lelahy hafa ,dra mizangazanga izy.''13Bakeo ereo dra nitindra gny zanak'ereo teo Aminazy ba hametrahany tagna,fa nihahin'ereo mpianasy ereo. 14 Fa gny nahasikarisy anizay Jesosy, dra ory fatrasy Izy dra nizaka tamin'ereo ho:''Angao gny zaza hagnato anahy,dra ka rara ereo,fa gny fazakan'Agnahary dra an'ereo ze manahaky anazy reo.15Zakako amindrareo mary tokoa, dre iza dre iza sy mandray gny fazakan'Agnahary tahaky gny zazamasaiky dra sy hilisy zay amin'izay velively.''16Bakeo dra nitrotrony gny zaza dra nisofiny rano sady nametrahany tagna.17Dra gny fa nanomboky gny liany Izy,dra nisy lelahy nilimalomay dra nandohaliky teo anatrehany ,dra nagnontany ho:''Ry mpampianasy soa,ino gny sy maisy ataoko ba handovako gny fiaigna mandrakizay?''18Jesosy nanao ho:''Nanao akory gny nitokavanao ho soa Zaho?Sy misy soa,afa-sy Zagnahary raiky avo. 19Fatanao gny didy ho:'Ka mamono olo,ka mizangazanga,ka mangalasy, ka mizoro ho vavolombelo sy mary, ka mamitaky ,hazao gny ranao vo gny reninao.'''20Dra hoy gny lelahy ho:''Mpampianasy o,fa narahiko hatramin'gny fahatanorako avo koa reo aby reo.''21Nagnety anazy Jesosy dra tia anazy. Dra ho Izy taminazy ho:''Misy raha banga raiky ao aminao. Sy maisy avilinao aby ze anagnanao dra omeo gny mahatra zay,dra hana harena agny an-dagnisy anao. Bakeo ,magnaraky Anahy.''22fa noho zay filaza zay dra nalahelo izy dra nandeha nangahiahy,satria nana fanagnm-be tokoa izy.23Nagnety gny magnodidy Anazy Jesosy dra nizaka tamin'ereo mpianany ho:''Tena sarosy ho an'ereo mana harena maro gny milisy gny fazakan'Agnahary!'' 24Dra gaga tamin'gny zaka gny mpianasy.Fa hoy draiky Jesosy tamin'ereo hô:''Anaky,sarosy gny filira ao amin'gny fazakan'Agnahary! 25Mora koa ho an'gny rameva gny milisy amin'gny fory fanjaisy,noho gny hiliran'gny mpanakarena amin'gny fazakan'Agnahary.''26Dra bo gaga draiky gny mpianasy dra nifagnontany reo hô:''Iza gny afaky gny ho voavozy?''27Nagnety anazy reo Jesosy dra ho Izy hô:''Sy vitan'gny olo zay,fa vitan'Agnahary. Satria gny raha gny fa dra hain'Agnahary atao.''28Dra nanomboky nizaka taminazy i Petera hô:''Hatio, Zahay tahôky dra nahafoy aby dra nagnaraky Anao.''29Dra hoy Jesosy :''Zakako mary amindrareo,sy misy olo ze nagnenga gny tragnony,dre gny rahalahiny; dre gny rahavaviny,dre gny reniny,dre gny rany,dre gny zanany,dre gny taniny noho gny aminahy,vo gny filazasara,30dra sy nahazo avo zato heny amin'izao taozato amizao zao:dra tragno,rahalahy,rahavavy,reny,zanaky vo tany,miaraky amin'gny fanendreha,dra amin'gny taozato ho avy,dra gny fiaigna mandrakizay.31Fa maro gny volohany gny ho lasa farany,dra gny farany ho lasa volohany.''32Tegny an-dala ereo,hiakasy ho agny Jerosalema,dra Jesosy nandeha nialoha anazy reo. Gaga reo mpianasy ,dra reo ze nagnaraky Anazy tafara dra natahosy. Nitokavin'i Jesosy ho eo aminazy draiky izy ro ambinifolo dra nanomboky nizaka ze raha hihasy aminazy sy ho ela Izy. 33'' Hatio,miaraky ho agny Jerosalema isika zao,dra gny Zanak'olo dra atolosy gny mpisom-be vo gny mpanora-dalana. Ho hahin'ereo ho maty Izy dra hatolony amin'gny Zetilisa. 34Reo dra hikizaky Anazy,handrora Anazy,hazera Anazy,vo hahafaty Anazy. Fa afaky telo andro dra hisanga amin'gny maty Izy.''35Jakoba vo Jaona,zanak'i Zebedio,nagnato anazy dra nizaka taminazy ho:''Mpampianasy o, ba tianay raha ba ataonao aby ze angatahanay aminao.''36Dra ho Izy tamin'ereo ho:''Dra ho Izy tamin'ereo ho:''Ino gny tianao ho ataoko ho andrareo?''37Ho ereo ho:''Angao zahay hiara-hipetraky aminao ao amin'gny voninahisinao,dra gny raiky eo an-tagna ankavananao gny raiky eo ankavianao.''38Fa Jesosy namaly anazy reo ho:''Sy fatasindrareo ze angatahindrareo. Andrareo se afaky mino amin'gny kapoaky ze hinomako na hiarisy ho atao batisa amin'izay hanova batisa Anahy?''39Ho ereo Taminazy ho:''Vitanay zay.''Dra nizaka tamin'ereo Jesosy ho:''Gny kapoaky ze ninomako,dra ho nomandrareo,dra amin'gny batisa ze hanova-batisa Anahy,gny hanova-batisa andrareo koa.40Fa ze hipetraky eo an-tagna ankavanako dre eo ankaviako dra sy miaky aminahy zay,fa zay dra ho an'ereo ze nagnoma anizay.''41Gny fa nahare gny momba anizay reo mpianasy folo hafa,dra nanomboky ory fatrasy tamin'i Jakoba vo Jaona. 42Nitokavin'i Jesosy ho eo aminazy ereo dra nizaka ho:''Fatasindreo fa ze haheri ho mpanapaky gny zetilisa dra mampanompo anazy reo,dra gny lahibe mpifehy anazy reo dra manapasy fahefa amin'ereo.43Fa sy tokony hanahaky anizay gny amindrareo. Fa dre iza dre iza magniry ho lahibe amindrareo dra ao izy ho mpanompondrareo, vv 44 dre dra iza dra iza magniry ho volohany amindrareo dra ao izy gny andevondrareo aby. 45Fa gny Zanak'olo sy avy ba ho topoy,fa ba hanopo.vo hanolosy gny ainy ho takalon'ay ho an'gny maro.''46Avy tao Jeriko ereo. Gny fa niboaky gny tana niaraky tamin'gny mpianany vô vahoaky maro be Izy,gny zanak'i Timeo,Bartolomeo,ze mpangataky sady Poaky,nipetraky teo amoron-dala.47Gny fa nahare izy fa Jesosy laha tagny Nazareta zay,dra nanomboky nikorakoraky fatrasy izy dra nizaka ho:''Ry Jesosy,Zanak'i Davida ô,mamindra-fo aminahy!''48Maro gny nizaka fatrasy gny poaky,nizaka izy nikoraky taminazy ba hangina. Fa vao maiky izy nikoraky fatrasy hô:''Ry Zanak'i Davida ô , mamindra fo aminahy!''49Nizano Jesosy dra napitoka anazy. Nitokavin'ereo gny poaky,dra nizakany ho:''Mahereza! Misangana! Mitoka anao Izy.''50Nariany gny lambany , dra nisanga,dra nagneo amin'i Jesosy izy.51Dra namaly anazy Jesosy dra nizaka ho:''INo gny tianao ataoko aminao?'' Hoy gny lelahy poaky ho:''Mpampianasy o, te-hahirasy zaho.'' 52Dra hoy Jewsosy taminazy ho:''Mandehana . Gny finoanao gny nahavozy anao.''Dra nahita niaraky tamin'izay gny masony,dra nagnaraky an'i Jesosy tegny an-dala izy.
Chapter 11

1Dra raha nandeha tagny Jerosalema ereo,dra nagneky an'i Betifaga vo Betania,agny an-dohambohisy Oliva, dra Jesosy nagniraky ro tamin'ereo mpianany 2dra nizaka tamin'ereo ho:''Mandehana amin'erio vohisy masaiky manoloa asika riho. Raha vao tafilisy ao andrareo,dra hahita zana-boriky raiky bo sy nitikiran'olo. Hahao izy dra andeso atiho aminahy.3Raha misy olo mizaka amindrareo ho:''Nanao akory andrareo gny manao anizao?' Dra atovy ho:'Misy taliavin'gny Topo anazy dra hahery malaky atiho izy.'''4Nandeha niboaky ereo dra nahita zana-boriky raiky nifehy ambaliky gny tragno teo agnilan'gny vatrangara raiky eo amoron-dala,dra nahan'ereo gny fehy. 5Nisy olo sasany nizoro teo dra nizaka tamin'ereo ho:''ino itiho ataondrareo,mamaha io zana-boriky io''? 6Dra nizaka anazy reo gny zakan'i Jesosy tamin'ereo,dra nangan'olo handeha amin'gny lalany ereo.7Dra nandesin'ereo mpianasy ro lahy teo amin'i Jesosy gny zana-boriky dra nataony teo agn'abon'izay gny lamban'ereo dra afaky nitikisy anazy Jesosy. 8Maro gny olo namelasy gny lambany tegny an-dala,dra gn'ilany koa namelasy rasa-kazo ze nitapahiny laha tagny an-tanimboly . 9Reo ze nandeha teo alohany vo reonagnaraky Anazy nitokatoka ho:''Hosana! Deraina gny ray baka amin'gny agnaran'gny Topo.10Deraiy gny fazaka ho an'i Davida rasika! Hosana agny anin'gny agn'abo indrindra!''11Bakeo Jesosy nilisy tao Jerosalema dra nagnao an-kizan'gny Fiangona dra nilavo gny raha aby.Dra,fa niha-hariva gny andro,dra nagnagny Betania Izy vo reo Roambinifolo lahy. 12Gny andro magnaraky,raha nihery bakany Betania ereo ,dra resy Izy.13Dra nahita hazon'aviavy raiky nandravy aby teriho lavidavisy ,dra nagnato Izy hagnety raha misy tegnany teo aminazy,dra gny fa nagnao amin'izay Izy,dra sy nahita dre ino dre ino afa sy raviny avo,fa sy bo sy fotoany aviavy tamin'io . 14Dra Izy nizaka tamin'izay ho:''Sy hisy hihina gny tegnany baka aminao sasy mandrakizay.''Dra mpianany nahare anizay.15Nagnagny Jeresalema ereo,dra nilisy tao an-kiazan'gny fiangona Izy dra nanomboky nandroaky gny mpivarosy vo gny mpivily tao aby. Nazerany gny latabasin'ereo mpanakalo vola vo gny sezan'ereo mpivarosy voromalala. 16Sy nagnenga an'iza dre iza hinday raha ze azo avily hilisy gny kiazan'gny fiangona Izy.17Dra nampianasy anazy reo Izy dra nizaka ho:''Sy fa voasorasy se hô:'Gny tragnoko dra atao hô tragno fivavaha ho an'gny firene-iaby'? Nefa nataondrareo ho zohy fivonian'gny mpangalasy.''18Ren'ereo lohan'gny mpisoro vô reo mpanoradalana ze nizakany,dra nitalia fomba hamonoa Anazy ereo. Fa natahosy Anazy ereo avô koa satria ereo vahoaky aby dra nanalahelo tamin'gny fampianarany. 19Gny fa avy gny hariva,dra niala gny tana ereo.20Dra raha nandeha ereo gny maraindray,dra nahita gny hazon'aviavy nalazo hatramin'gny vahany.21Dra Petera nahasiaro dra nizaka ho:''Mpampianasy o, hatio! Nalazo gny aviavy nozoninao.''22Jesosy namaly anazy reo hô:''Mana finoa an'Agnahary. 23Zakako amindrareo mary tokoa fa dre iza dre iza mizaka amin'itihô vohisy itihô hô:''Misangana dra milavoa agny an-dranomasy.'Dra raha sy misy fisalasala ao am-pony fa mino fa hisy aminazy ze nizakany ,dra manahaky anizay gny hataon'agnahary.24Noho zay zaho mizaka amindrareo ho: Zay aby hhivavahandrareo vo angatahindrareo,minoa fa nandray anizay andrareo,dra ho azondrareo zay. 25Gny fa mizoro vo mivavaky andrareo,dra sy maisy mamela ze alahelo aby anagnandrareo amin'iza dre iza andrareo, ba ho avelan'gny Randrareo ze agny an-dagnisy avo koa gny fahotandrareo. 26[ Fanamariha: Gny Fandika soa indrindra dra sy magnisy gny ho ( hatio ao amin'gny Mat. 16:15) Mark. 11: 26'' Fa raha sy mamela heloky koa andrareo,dra sy hamela gny fahotandrareo mihisy koa gny Randrareo Ze agny an-dagnisy.'']27Dra niakasy ho agny Jerosalema ndraiky ereo. Dra raha nandehandeha tao an-kiazan'gny fiangona Jesosy ,dra avy nangnato Anazy gny lohandohan'gny mpisoro,gny mpanoradala,dra reo loholona. 28Ho ereo taminazy ho:''Fahefana aby eza gny hanovanao anio raha reo,dra iza gny nagnome anao fahefa hanao anio?'''29Jesosy nizaka tamin'ereo ho:''Hametraky fagnontania raiky amindrareo zaho. Zakao Aminahy dra ho zakako andrareo ho fahefa baka eza gny anovako anio raha io.30Gny batisan'i Jaona ,laha tagny an-dagnisy se zat sa laha tamin'gny olo? valio Zaho.''31Nifampidiniky miaraky ereo sady nifamaly vo nizaka ho:''Raha mamaly isika ho:''Baka agny an-dagnisy ,'dra hizaka Izy ho:' Fa nanao akory dra gny sy nino anazy andrareo?'32Fa raha mamaly koa isika ho:''Laha tamin'olo,'.......''Natahosy gny olo ereo, satria resy lahasy gny olo-aby fa Jaona dra mpaminany tokoa. 33Bakeo namaly an'i Jesosy ereo dra nanao ho:''sy hainay.''Dra hoY Jesosy tamin'ereo ho:''Zaho avo koa sy hizaka amindrareo ho fahefa laha teza gny hanovako anio raha io.''
Chapter 12

1Nanomboky nampianasy anazy reo tamy alalan'gny fagnohara Jesosy. Ho Izy ho:''Nisy lelahy nanao tanim-boloboky, nagnisy fefy magnodidy anizay, dra nandavaky famiaza. Nananga tililambo izy dra laha teo nampagnofa gny tanim-boloboky tamy mpamboly voloboky. Dra niala nandeha lavisy izy laha teo. 2Tamin'gny fotoa mety ,dra nagniraky mpanompo ho agny amin'gny mpamboly voloboky izy ba hangalaky amin'ereo gny'ilany amin'ereo ze tokony ho azarany amy vokasin'gny tanim-boloboky. 3Fa nisamborin'ereo izy, nizerany,dra niroahiny sy hinday dre ino dre ino.4Nagniraky mpanompo hafa ho agny amin'ereo draiky izy,dra rinasin'ereo teo amy lohany dra nalany baraka. 5Dra bo nandefa hafa avo izy,dra nivonon'ereo draiky . Nataon'ereo tahaky gny maro hafa, nizerany gn'ilany dra nivonony gny hafa.6Bo nana olo raiky hafa hirahy izy,dra zanaky malala. Izy gny farany nalefany tagny amin'ereo. Ho Izy ho:''Ba hagnaza gny zanadahiko izy reo.''7Nefa nifampizaka reo mpamboly voloboky ho:''Itiho gny mpandova. Avia, andeha ho vonosika izy,dra ho ho azo sika gny lova.''8Nisamborin'ereo izy,dra nivonony,dra natorany tagny ambalikin'gny tanim-boloboky. 9Dra ,ino seky gny ho ataon'gny topon'gny tanim-boloboky? Ho avy izy dra hamono gny mpamboly voloboky dra hagnome gny tanim-boloboky ho any hafa.10Sy nivakindrareo vasa zao sorasy Masy zao? 'Gny vato ze nolavin'gny mpanora-tagno ,gny natao vato fehizoro. 11Avy tamy Topo zay,dra mahalasa eo amasosika.''12Nitalia gny hanambora an'i Jesosy ereo, fe natahosy gny borozany,satria fatanereo fa hanohera anazy reo gny nizakany anizay fagnohara zay. Koa dra nangan'ereo Izy dra lasa nandeha ereo.13Dra nagniraky gny Fariseo vo Herodiana sasany ho agny aminazy ba hamandriky Anazy amy zaka ereo. 14Fa gny avy ereo,dra ho izy reo taminazy ho:''Mpampianasy o ,fatanay fa sy miraharaha gny hevisy gny olo anao,dra sy maneho fiangara eo amy olo. Mampianasy mary gny lalan'Agnahary anao. Ara-dalana se sa sy ara-dalana gny mandoa hetra amin'i Kaisara ? Tokony handoa hetra se zahay sa sy handoa?''15Fa fatasin'i Jesosy gny fiasarambelasihin'ereo ka nizaka anazy reo ho:''Nanao akory andrareo gny misapa Anahy? Indeso dranaria ereo izaho dra hagnety anizaho."16Dra nandesaniza ihoky vola ireo zesosy. ''endrik'iza ity sary vo sorasy ity?'' Ho izy ereo ho:an'i kaisara." 17Hoy zesosy ho: ''Omeo an'i kaisara ze kaisara, vo omeo an' agnahary ze zagnahary.'' Dra tozy taminigny izy ereo.18Avy eo ereo sadoseo, izy mizaka fa sy misy gny fisangana amigny maty, dra avy teo amy. Nagnotany anazy ereo, nanao ho: 19" mpampianasy o, manorasy zao hoanay Mosesy ho: 'Raha maty gny rahalahiny raiky dra nagnenga valy izy, nefa sy ba nanazanaka, dra tokony manambaly gny validrahalahiny gny lelahy ko hana taranaky ho any rahalahiny.'20Nisy fito mirahalahy; nanambaly gny volohany dra maty, sy nanga taraanky.21Vo eo nangalaky anazy gny faharo dra maty, sy nanga taranaky, dra torak' izaho dra gny fahatelo. 22Sy nisy nanga taranak' izy fito. Gny farany iziaby, maty koa gny ramatoa.23Amigny fisaganany aminigny maty, gnifa nisaga ndraiky izy ereo, dra ho valin' iza izy? Satria samy nanambaly anazy aby izy fito mirahalahy.''24Dra ho Jesosy ho:''Sy zay se gny atony maha-diso hevisy andrareo,satria sy fatasindrareo dre gny Sorasy Masy dre gny herin'Agnahary? 25Satria gny fa misanga amin'gny maty ereo,dra sy hanambaly dre hatolosy amin'gny fanambalia,fa ho tahaky gny azely agny an-dagnisy.26Fa mahasiky gny amin'gny fisangan'gny tegna amin'gny maty,sy nivakindrareo se gny tao amin'gny bokin'i Mosesy,ao amin'gny andala momba gny voaroy,gny niresahan'Agnahary taminazy dra nizaka ho:''Zaho gny Zagnaharin'i Abrahama vo Zagnaharin'Isaka dra Zagnaharin'i Jakoba'? 27Izy dra sy Zagnahary gny maty,fa an'gny velo. Somary diso hevisy andrareo.''28Nisy raiky tamin'ereo mpanora-dala taminazy dra nahare gny resak'ereo; hitany fa nivalian'i Jesosy soa ereo.Dra nagnontany Anazy izy ho;''Ino gny didy lahibe indrindra amin'izy aby?'' 29 Jesosy namaly ho:''Gny lahibe indrindra dra gny ho: Mitenoa, gny Topo Zagnaharisika,ry Israely , raiky ao gny Topo.30Sy maisy mitia gny Topo Zagnaharinao amy fonao iaby anao,amy fagnahinao aby,amy sainao aby, o amy herinao aby.'31Itiho gny didy faharo:'Sy maisy mitia gny namanao tahaky gny vatanano anao.'Sy misy didy hafa lahibe mihoasy noho reo.''32Ho gny mpanora-dalana ho:''Soa zay,ry Mpampianasy! Voazakanao mary fa Zagnahary dra raiky ,sady sy misy afa-sy Izy. 33Dra gny mitia anazy amy fo aby vo aminigny say aby vo gny hery aby,dra gny mitia gny nama tahaky gny vata , dra soa lavisy mihoasy gny fagnatisy oroa vo gny soro aby.''34Fa gny hitan'i Jesosy fa nagnome vali-zaka hendry Izy,dra nizaka taminazy Izy ho:''Sy lavisy gny fazakan'Agnahary anao, ''Dra tafaran'izay ,dra sy nisy olo nahavany nametraky fagnontania tamin'i Jesosy sasy.35Namaly Jessosy,raha nampianasy tao amy fiangona Izy; dra ho Izy ho: ''Nanao akory moa izakan'gny mpanora-dalana fa kristy dra zanak'i Davida? 36Davida vatany,tamin'gny Fagnahy Masy,nanao ho:'Gny Topo nizaka tamin'gny Topoko ho : mipetraha eo an-tagna ankavanako, mandram-panaoko gny fahavalonao ho fipetran'gny tombonao.'37Davida vatany avo nitoka anazy go Topo,'ka dra nanao akory gny maha zanak'i Davida an'i Kristy?''Niteno Anazy tamim-pifalia reo vahoaky maro be.38Tamin'gny fampianarany Jesosy dra nizaka ho: ''Mitandrema amin'ereo mpanora-dalana,zay tia mandehandeha amy ankajo lava dra tian'ereo gny fiaraba azon'ereo egny antsena 39dra tian'ereo gny mahazo gny seza volohany agny amin'gny synagoga vo gny toera volohany agny amy fety . 40Mandrobaky tragnon'ereo mpinday vata ereo,dra manao vavaky lava be ba ho hitan'olo. Reo lelahy reo dra handray fanameloha lahibe .''41Laha teo Jesosy nipetraky nifanandrify gny vata-drakisy tao amy farisy gny fiangona; nagnety reo olo aby ze nandrosaky vola tao amy vata-drakisy . Mpanakarena maro gny nandasaky vola be dra be tao. 42Dra nisy ampela mahatra panday vata raiky avy nandrosaky farasakely ro, ze masaiky varirotegnany oharia amy sena.43Dra nitokaviny reo mpianany dra ho Izy tamin'ereo ho: ''Zakako amindrareo mary tokoa,fa itiho ampela mizaly minday vata itiho gny nandrosaky maro mihoasy amy olo ze nandrosaky vola tao amy vata-drakisy.44Satria dra nagnome tamy ganagnam-ben'ereo iaby. Fa itiho mpinday vata itiho koa,tamin'gny fahatrany,dra nandasaky gny vola aby ze tokony hivelomany tao.''
Chapter 13

1Dra raha niala tao an-kiazan'gny fiangona Jesosy,dra nizaka taminazy gny ray tamin'ereo mpianany ho:''Mpampianasy o, hatio gny hasoan'gny ato o gny hasoan'gny rafisy!''
3Dra raha nipetraky teo an-dohambohisin'Oliva tandrifin'gny fiangona Izy,dra nagnontany Anazy mangingiky Petera, Jakoba, Jaona vo Andrea ho:''4Zakao aminay, ombia gny hisanga zay raha aby zay/ Ino gny famatara gny fa hisanga reo raha reo?''5Dra Jesosy nanomboky nizaka tamin'ereo ho:''Mitandrema ba sy hisy olo hampivily lala andrareo. 6Fa maro gny ho avy amin'gny Agnarako vo hizaka ho:'Izaho gny izy,'dra maro gny ho voafitany.7Gny fa mahare aly vo resabe momban'gny aly andrareo,dra ka magnahy ; sy maisy hisanga reo, fa sy bo zay gny farany. 8Fa hisy firenena hisanga hamely fazaka. Dra hisy horohoro-tany amy toera maro, sady hisy mosary . Zay gny fiandohan'gny fahorian'gny fiteraha.9Mitandrema andrareo. Ho atolosin'ereo amy Synedriona andrareo,dra ho zera ao amy Synagona. Hisanga manoloa reo mpanapaky vo reo pazaka noho gny Aminahy andrareo, ho vavolombelo amin'ereo. 10Fa gny Filazasara dra sy maisy ho toria agny amy firenena iaby aloha.11Fa gny manambosy vo manolosy andrareo ereo,dra ka magnahy gny amin'izay tokony ho zakandrareo. Fa amy ora iny,dra home andrareo ze tokony ho zakandrareo; sy andrareo seky gny hizaka , fa gny Fanahy Masy. 12Gny rahalahy hanolosy gny rahalahiny ho maty,dra gny rany hanolosy gny zanany . Gny zanaky hisanga hanohisy gny ray madreniny ka hahafaty anazy reo. 13Ho halan'olo aby andrareo nohon'gny Agnarako. Fa dre iza dre iza maharisy hatramin'gny farany,dra ho voavozy zay olo zay.14gny hitandrareo nisanganiny eo amigny sy topony hisanganany gny fahavetavetan' ny fadrava(ao hisaina ze mamaky), dra aoka ze avy amigny jodia aby hilomiy eny an-tendrombohitra,15Ze eo an-tampotrano aoka sy hizoso ao atragno na hamoaky raha avy ao aminizaho,16Dra gny any an-saha aoka sy hihery hangalaky gny lambany.17Lozan'ereo ampela bevohoka vô mapinono amin'izay andro zay! 18Mivavaha andrareo ba sy ho amy ririgny gny hitrangan'izay . 19Fa hisy fahoriam-be, ze sy bô nisy hatraminigny gny volohany, fa gny namoro anizao totolo zao Zagnahary, ka mandrak'amizao, haha, dra mandrakizay sy hisy sasy zay. 20Dra raha sy ho nohafohezin'gny Topo zay andro zay,dra sy hisy nofo ho voavozy. Fa noho gny olom-boafily,ze nifiliny, dra nafohezin'gny isan'izay andro zay.21Dra raha misy olo mizaka aminao ho: 'Hatio,atiho gny Kristy!'Dre koa hô: 'Hatio,erio Izy!'dra ka mino anizay. 22Fa hisy Kristy sandoky vo maminany sandoky hiseho dra haneho famatara vo fahalasa ,ba hamitaha,dre dra gny olom-boafily avo,raha azo atao. 23Miambena! Fa vopazakako tamindrareo mialoha gny fotoan'ereo aby reo.24Kanefa tafaran'gny fahorian'ereo andro reo,dra hihamezy gny masoandro, gny vola sy hagnome gny fazavany, 25gny vasia hiaraky laha tegny amy lagnisy ,dra gny hery ze ao an-dagnisy ho hozongozogny. 26Ka ho hitan'ereo gny Zanak'olo laha tegny amy raho amy hery lahibe vo voninahisy. 27Dra hagniraky gny azely Izy ka hamory miaraky gny olom-boafiliny laha tagny amy vaza-tany efasy,laha tagny amy faran'gny tany dra hatragny amy faran'gny lagnisy.28Mangalaky lesona laha tamin'gny hazon'aviavy. Raha vao manaroky vo mandravy gny rasany, dra fatasindrareo fa mariny gny lohatao. 29Manahaky anizay koa,raha vao hitandrareo mitranga zay raha aby zay,dra fatasindrareo fa mariny Izy, mariny gny vavahady.30Zakako amindrareo ,mary tokoa, itiho taranaky itiho dra sy ho lany risy mandra-pitrangan'izay raha aby zay. 31Ho levo gny lagnisy vo gny tany, fa gny zakako koa sy ba ho levo mandrakizay. 32Fa gny mahakasiky anizay andro na lera zay,dra sy misy mahay,dre dra gny azely agny an-dagnisy koa, dre gny Zanaky ,fa gny Ra avo.33Mitandrema ! Miambena,satria sy fatasindrareo gny lera. ( Fanamariha: tahoky fahefa taloha dra ho: Mitandrema ! Miambena dra mivavaha, satria...) 34Zay dra tahaky gny lelahy raiky handeha lavisy niriosy gny tragnony izy ka reo mpanompony gny nataony niandraikisy gny tragnony, samy amy raharahany avy, dra nandidy gny mpiamby Izy ba sy handry.35Koa miambena, satria sy fatasindrareo ho ombia gny ho avy gny topon-tragno; mety ho amy hariva zay, na amy sasak'aly , na magneno akoho, na maraindray. 36Fa raha avy tampoky izy,dra ka anga hahita andrareo mandry izy. 37Ze zakako amindrareo dra zakako amy olo aby koa: Miambena!''
Chapter 14

1Dra rô andro mialohan'gny Paska vo gny Fakalaza gny fihinana gny Mofo sy misy Masirasira tamin'izay. Nitalia fomba hisambora an'i Jesosy mangingiky gny lohan'gny mpisoro vo gny mpanoradalana dra hamono Anazy bak'eo. 2Fa ho izy reo hô: ''Aleo sy amy andro fety, ba sy hampitabataba gny olo.''3Raha tagny Betania tao an-tragnon'i Simona boka Jesosy, raha nipetraky teo an-databasy Izy, dra nisy ampela raiky nagnato Anazy ninday tavoara alabastara misy menaky lafo vily, zay narda sy misy fangarony. Nivakiny gny tavoara dra nararany teo amy lohany zay. 4Nahahory gny olo gn'ilany zay. Nifampiresaky ereo ka nanao ho:''Ino gny aton'izao fandanindaniam-poana zao?5Io menaky magnisy io dra afaky navily mihoasy gny denaria telozato, dra nome gny mizaly.'' Dra nihalany gny ampela ereo bak'eo.6Nefa hoy Jesosy ho: ''Angao izy. Nanao akory andrareo gny manao ze mampalahelo anazy? Raha soa gny nataony taminahy. 7Gny mizaly dra eo amindrareo mandrakiriva, dra afaky ahano asa soa ho anazy reo avo andrareo dre amy fotoa ino dre fotoa ino, fa zaho koa sy hitoesy eo amindrareo mandrakariva. 8Nanao ze azony atao izy: Nagnososy gny vatako ho amy fandevegna izy. 9Zakako mary amindrareo manera eza hitoria gny Filazasara manera zao totolo zao, dra ho zaka gny nataon'itiho ampela itiho, ba ho fahasiaro anazy .''10Laha teo Jodasy Iskariota, raiky tamin'ereo ro ambinifolo lahy, lasa nangnagny amin'ereo lohan'gny mpisoro hahafahany manolosy Anazy eo amin'ereo. 11Gny fa nahare anizay gny lohan'gny mpisoro,dra faly ereo ka nampanatena hagnome vola anazy. Dra nanomboky nitalia irika hanolora anazy amin'ereo.12Tamy andro volohany'gny fihinana gny mofo sy misy masirasira, gny fa nanao soro gny agn'ondry gny Paska ereo,dra hoy gny mpianany taminazy ho:''Eza gny tianao andehanay hikarakara sakafo,ba hinananao gny sakafon'gny Paska?'' 13Dra nagniraky ro tamin'ereo mpianany Izy ka nizaka tamin'ereo ho:''Mandehana agny an-tana, dra hisy lelahy minday siny feno rano hifanena amindrareo. Manaraky Anazy.14Ze tragno hilirany, magnaraky anazy dra zakao gny topon'izay tragno zay ho:' Ho gny mpampianasy ho:''Eza gny efitragno fandraisam-bahiny ahafahako miara-mihina gny Paska amin'ereo mpianasy?'''15Hanoro andrareo efitragno lahibe agn'abo rihana misy fanaky ze fa vonona soa izy. Ao gny ataovy gny fagnomana aby ho asika.''16Dra lasa gny mpianasy dra nihazo ze fa nizakany tamin'ereo gny raha-aby ,dra nagnoma gny sakafon'gny Paska ereo.17Gny fa hariva gny andro, dra avy niaraky tamin'ereo rô ambinifolo lahy Izy. 18Gny fa nipetraky teo an-databasy vô nihina ereo,dra ho Jesosy hô: ''Zakako mary amindrareo,fa gny raiky amindrareo ze miara-mihina aminahy eto dra hamaliky Anahy''. 19Nalahelo fatrasy izy aby,dra nizaka taminazy gny kiraikiray hô:''Sy zaho seky zay?''20Jesosy namaly dra nizaka anazy gny hô:'' Gny raiky amindrareo rô ambinifolo zay, gny raiky miara-manasoboky mofo aminahy agnaty finga zao.''21Fa gny Zanak'olo dra handeha amy lala ze fa voazakan'gny Sorasy Masy momba Anazy. Fa loza koa ho an'izay lelahy zay mamaliky gny Zanak'olo zay. Soa ho anazy kokoa avo raha sy teraky izy.''22Raha bo teo am-pihinana ereo, dra nandramby gny mofo i Jesosy, nisaotra, dra nizarazara anizay. Natolony anazy sady nanao ho: ''Rambeso, itiho gny vatako.''23Dra nandray gny kapoaly Izy, nisaotra, dra nanolosy anizay anazy reo, dra nino tamin'izay izy aby. 24Dra ho Izy tamin'ereo ho: ''Itiho gny lion'gny fanekem-pihavanako, lio ze alasaky ho an'gny maro. 25Zakako mary amindrareo, sy hino itiho vokasy gny voloboky itiho sasy zaho mandra-pahavin'gny andro ze hinomako anizay draiky agny amy Fazakan'Agnahary.''26Gny fa baka nihira fidera ereo,dra nandeha tegny an-dohambohisin'oliva. 27Ho Jesosy tamin'ereo ho:''Hagnenga Anahy avokoa andrareo aby, fa voasorasy ho:''Hamely gny mpiamby agn'ondry zaho dra hiparitaky gny agn'ondry.'28Fa gny baka hasanga amy maty zaho,dra hialoha lala andrareo aop Galilia.''29Dra hoy Petera taminazy ho :'' Dre dra hagnenga iaby avokoa , izaho sy ba hagnenga.''30Ho Jesosy taminazy hô:''Zakako mary aminao, fa amizao hariva, raha bô sy magneno in-drô avô gny akoho,dra fa handa Anahy in-telo anao.''31Fa ho Petera hô:''Dre sy maisy hiara-maty aminao avô zaho,sy ba handa anao.''Dra samy nampanatena manahaky anizay avoko izy aby.32Dra avy tagny amy toera tao ho Getsemane ereo,dra hoy jesosy tamin-ereo mpianany ho.''Mipetraha eto gny bo mivavaky Zaho.''33Dra ninday an'i Petera, vo Jakoba, dra Jaona niaraky taminazy Izy dra nanomboky nalahelo sady ory tateraky. 34Dra ho Izy tamin'ereo ho:''Fadiranova loasy gny Fagnahiko, manahaky gny fa maty. Mitoera eto ka miambena.''35Namalavisy kelikely Jesosy, nandohaliky tamin'gny tagny,dra nivavaky Izy ba gny manahaky ka azo atao,dra hiala Aminazy zay lera zay. 36 Ho Izy ho:''Aba, Ray o, gny raha aby hainao atao. Alao aminahy itiho kapoaky itiho. Nefa ao sy gny sitrapoko gny hatao,fa gny Anao.''37Nihery Izy dra nahita anazy reo nandry , ka ho Izy tamin'i Petera ho:''Simona, madry se anao? Sy nahavita niamby lera raiky se anao? 38Miambena dra mivavaha ba sy hiliranandrareo amy fakam-pagnahy. Gny fagnahy mety mazoto tokoa, fa gny nofo gny malemy.''39Dra lasa draiky Izy nisitaky kely dra nivavaky ,dra nagnery gny zaka nataony teo aloha avo.40Nihery draiky Izy dra nahita anazy reo nandry,fa navesasy gny torimaso gny mason'ereo dra sy hitan'ereo ze nizaka taminazy. 41Nagnato fanitelony Izy ka nizaka gny ho:''Bo mandry vo mangalaky ay avo se andrareo? Apy zay! Fa avy gny fotoa. Hatio! Gny Zanak'olo nivaliha hatolosy eo an-tagnan'gny mpanota. 42Misangana; andao andeha isika, Hatio, fa mariny gny hamaliky Anahy.''43Dra raha bo teo am-pizaka Izy,dra avy Jodasy,raiky amin'ereo roambinifolo lahy, niaraky tamy vahoaky maro ze nitarako lefo vo langilangy, laha tamin'ereo lohan'gny mpisoro, gny mpanoradalana,dra gny loholo. 44Dra gny mpamaliky Anazy nagnome famatara anazy reo, nizaka ho:''Zay horohaiko, Izy gny Izy. Sambory Izy dra ambeno.''45Gny fa avy Jodasy,dra nagnato an'i Jesosy avy hatragny izy sady nizaka ho:''Raby, ''dra nagnoroky Anazy izy. 46Laha teo dra nisamborin'ereo Jesosy.47Fa nisy raiky tamin'ereo nisanga teo namoaky gny lefony dra namely gny mpanompon'gny mpisoronabe ka nanapaky gny sofiny. 48Ho Jesosy tamin'ereo ho: '' Avy dra nanambosy Anahy, manahaky gny nanamborany Jiolahy, miaraky amy lefo vo langilangy se andrareo? 49Tamin'Izaho teo amindrareo isan'andro vo nampianasy teo amy fiangona, sy nisamborindrareo. Fa natao zao ba hahatateraky gny Sorasy Masy.''50Dra niriosy Anazy aby avokoa niaraky tamin'i Jesosy dra niery.51Dra nisy zatovo lahy raiky ,sy niakazo afa-sy lamba hariry avo , nagnaraky an'i Jesosy . Gny fa nisamborin'gny olo izy 'v 52 dra nangany teo gny lambany dra lasa nilimay nitazaky izy.53Nandesin'ereo tagny amy mpisoronabe Jesosy . Niara-niango taminazy teo aby gny mpisoro aby,vo gny loholo,dra reo mpanora-dalana. 54Dra Petera nagnaraky Anazy laha tegny lavidavisy egny, hatragny amy tokotanin'gny mpisoronabe. Nipetraky teo amin'ereo mpiamby izy, zay namindro mariny gny afo.55Dra gny lohan'gny mpisoro vo gny nedrio Jiosy dra nitalia vavolombelo manohisy an'i Jesosy ba hahafahan'ereo mamono Anazy ho maty. Saiky sy nahita ereo. 56Fa maro gny niampanga vandy Anazy, nefa dra gny fiampangan'ereo avo sy nitombomona akory.57Dra nisy olo sasany nisanga dra niampanga vandy Anazy; Ho izy reo ho:58'' Renay Izy nizaka ho:' Ho ravako itiho fiangona natao tagna itiho,dra ao agnatin'gny telo andro zaho dra hananga raiky hafa sy natao-tagna.''59Fa bo sy nifagnaraky avo fiampangan'ereo.60Dra gny mpisoronabe nisanga teo amin'ereo dra nagnontany an'i Jesosy ho: ''Sy mana-kavaly se Anao? Ino zay hiampangan'itahoky olo tahoky Anao zay?''61Fa ningy Izy sady sy namaly dre ino dre ino.Dra bo nangnontany Anazy draiky gny mpisoronabe ka nanao ho:''Anao se gny Kristy, Zanaky gny voatahy?'' 62Dra hoy Jesosy ho:''Zaho gny Izy; dra ho hitandrareo gny Zanak'olo gny fa mipetraky eo an-tagna ankavanan'gny herin'Agnahary vo laha tegny amy rahon'gny lagnisy.''63Dra gny mpisorombe naniasy gny fiakazognany sady nanao ho:''Bo mitalia vavolombelo avo se isika? 64Fa rendrareo gny fizaka-drasy. Ino gny fanapaha-kevisindrareo?''Izy aby dra samy nagnameloky Anazy aby dra samy nagnahy anazy manahaky gny olo mendriky gno ho maty . 65Gn'ilany nanomboky nandrora Anazy dra nanarona gny tavany dra nagnenga Anazy dra nanao taminazy ho:''Maminania!''Dra reo manam-boninahisy nangalaky Anazy dra nazera Anazy.66Dra raha teo ambany kiaza teo Petera,dra nagnato anazy gny raiky tamin'ereo mpanompo vavin'gny mpisoronabe. 67Nahita an'i Petera nisanga namindro teo amy afo izy,dra nihisakisahiny mariny. Dra ho ziy taminazy ho:''Anao koa niaraky tamin'gny Nazarena, Jesosy''. 68Fa izy nanda anizay , nanao ho:''Sy fatako sady sy azoko ze zakanao.''Laha teo lasa niala gny kiaza izy. [Fanamariha : Tahoky fandika sasany magnampy ho:''Dra nagneno gny akoho, ''fa reo fandika taloha soa indrindra dra sy misy an'io zaka io.]69Fa gny motavavy teo nahita anazy dra nanomboky nizaka tamin'ereo olo nisanga magnodidy draiky ho:''Io lelahy io dra raiky amin'izy reo!''70Fa bo nanda anizay draiky izy. Afaky kelikely laha teo dra hoy reo nisanga teo tamin'i Petera ho:''Raiky amin'ereo mihisy anao,satria anao koa dra Galiliana.''71Fa nanomboky nagnozom-vata vo niniania izy hô:''Sy fatako zay lelahy zakandrareo zay.''72Dra niaraky tamin'izay dra naneno fagnindro gny akoho. Laha teo dra nahasiaro gny zakan'i Jesosy taminazy Petera hô:''Raha sy bo magneno fagnindrony gny akoho, dra handa Anahy intelo anao,''Dra nalahelo fatrasy izy sady nitomagny.
Chapter 15

1Vomaraim-be, dra nivory gny mpisorombe niaraky tamin'ereo lokolona vo ereo mpanoro-dalana vo gny Synedriona jiosy ereo manotolo. nifehezen'ereo i jesosy vo nandesin'ereo niboaky. namenizy ereo teo amigny pilato Izy 2Nagnotany anazy pilato ho: "Hanao seky gny mpazakan'ny jiosy ?" Niavliny ho: " voalazanao."3nagnome fimpanga maro manda an'ny jesosy ereo lohan'ny mpisoro.4Nagnotany anazy draiky pilato ho: ''Sy magnome vali-zaka se hanao?atio gny hamarany gny fiampanga atian'ereo manda anao!" 5Fa sy namaly an'ipilato sasy jesosy, dra nahagaga anazy izaho.6Dra tamy andro firavoravoa dra namotosy gadra raiky ho anazy reo avo Pilato, gadra ze angatahan'ereo. 7Niaraky tamin'ereo mpikomy tao am-poza, teo amin'ereo mpamono olo ze voata nohon'gny fandraisan'ereo azara tamin'gny fikomia, dra nisy lelahy raiky tokavy ho Barabasy. 8Dra nagneo amin'i Pilato gny vahoaky dra nanomboky nangataky taminazy ba hanao ho anazy reo araky gny fanaony tagny aloha.9Pilato namaly anazy reo dra nanao ho:''Tiandrareo se raha gny Mpazakan'gny Jiosy gny halefako ho andrareo?''10Satria fatany fa fialogna gny nanoloran'gny lohan'gny mpisoro an'i Jesosy taminazy. 11Fa naneta gny vahoaky reo lohan'gny mpisoro ba hihiaky fatrasy fa tokony ho Barabasy koa gny havotosy.12Dra namaly anazy ereo draiky pilato dra nanao ho: ''Ino gny natolony ha taoko amy mpazakany jiosy?'' 13Dra nihiakiaky draiky ereo ho:''Homboy Izy.''14Hoy pilato taminy ereo ho: ''Ino gny rasy nataony?'' Fa nihiaky fatrasy disikagny ereo hon:'' Homboy izy.'' 15Te-hanao izy mahafa-po anazy ereo pilato, ko dra nafahany ho gnanazy ereo Barabasy. Nizerany Jesosy dra avy eo natolony mbo homboana.16Nandesin'ireo maramila eo akiaza izy (izay ivo-toeran'ny fazakana), dra nitokavin'ereo avo koa gny toko maramila aby
18Dra nanomboky niarahaba anazy izy reo dra nizaka ho: ''Arahaba, dra pazakan'ny Jiosy.19Nizeran'ereo tamigny volotara gny lahany sady nandrora teo aminazy. Dra nandohaliky teo agnatrehany izy reo mody nidera anazy. 20Gny fa avy naneso anazy izy reo, dra nalan'ereo taminazy ndraiky gny lamba voloparasy dra nampagnisin'ereo anazy gny fitafiany manoka, dra nandesin'ereo niboaky izy ba hanomboha anazy. 21Niteren'izy reo gny mpiriosy raiky izay avy agnaisagny ba hinday gny hazofizalian'i Jesosy, lelahy raiky tokavy ho Simona Kyreniana baban'i Aleksandra vo Rofosy.22Nandesin'ereo miaramila tagny amy toera atao hô Gologota Jesosy ( zay midika hô ''Toeran'gny karandoha'').23Nomen'ereo divay nifangaro miora Izy,fa sy nino anizay Izy. 24Dra nohomboan'ereo Izy dra nifampizaran'ereo tamy alalan'gny ankisapaky gny fitiakazoany bâ halala ze ampahany rambesin'gny miaramila kirairaiky.25Tamin'gny lera fahatelo Izy gny nohomboan'ereo . 26Dra teo amy takelaky hazo raiky gny nisoratan'ereo gny fiampanga nanohisy Anazy hô: ''Mpazakan'gny Jiosy. ''27Jiolahy rô gny niaraky nohomboan'ereo taminazy, gny raiky teo ankavanany dra gny raiky koa teo ankaviany. 28[ Fagnamariha: Tahoky fandika taloha soa be dra sy magnisy gny Marka 15: 28 hô: ''Dra tateraky gny sorasy Masy manao hô:'Natao ho isan'gny mpanota Izy.' ( Ampatahao gny Lioka 22: 35) ]29Ze niriosy teo dra nazakazaka anazy, nihififikifi-doha dra nanao ho:''Aha! Anao gny afaky mandrava gny fiangona dra magnory anizay ao agnatin'gny telo andro,30vozeo gny vatano dra milira bak'eo amizao hazofizalia zao !''31Gny lohan'gny mpisoro koa dra naneso Anazy tahaky anizay, niaraky tamin'ereo mpanora-dalana,dra nizaka ho:''Namozy gny hafa Izy ,nefa sy mahavozy gny vatany .32Ao gny kristy, gny Mpazakan'Israely, hizoso bak'eo amy hazofizalia, ba ho hitanay dra hinoanay , ''dra reo nohomboana niaraky taminazy dra naneso Anazy.33Tamy lera faha-enina , dra avy teo amy tany aby gny ezy hatramin'gny lera fahasivy. 34Dra tamin'izay lera fahasivy zay dra nikoraky tamy feo mahery Jesosy hô:''Eloy,Eloy, lama sabaktany?''ze midika ho:''Zagnahariko ô , Zagnahariko ô , nanao akory anao gny nahafo Anahay ?'' 35Gn'ilany tamin'ereo ze nisanga teo nahare gny zakany dra nizaka hô:''Hatio , mitokava an'i Elia Izy.''36Nisy olo raiky nilimalomay, namonto divay marikivy gny sipozy, dra nandraikisy anizay tamin'gny volotara, dra nagnome anizay ho nominy. Gny lelahy nizaka hô:''Ao ho hitanay raha ho avy ampizoso Anazy eo Elia.''37Bak'eo Jesosy nihiaky tamy feo fatrasy dra maty. 38Rôta nizara rô hatragny agn'abo dra hatragny ambany gny lamabn'gny fiangona.39Gny fa hitan'gny kapitany ze nisanga vo nifa natriky tamin'i Jesosy fa maty tamin'izay fomba zay Izy ,dra ho Izy hô:''Tena Zanak'Agnahary m,ary vatany io lelahy io.''40Dra nisy ampela koa nagnety tegny lavisy tegny. Agnatin'izay Maria Magdalena, Maria ( renin'i Jakoba zainy vo Josefa), dra Salome 41Tamin'Izy tany Galilia dra nagnaraky anazy vo nanompo Anazy ereo. DRa ampela maro hafa koa gny niara-niakasy taminazy tany Jerosalema.42Gny fa avy gny hariva, satria andro Fiomana, zay hô, andro mialohan'gny lefo io, 43dra avy teo Josefa laha tagny Arimatia. Mpikamba hazany ao amy Synedriona izy, ze niamby gny Fazakan'Agnahary. Nanam-pahavania izy nangnangny amin'i Pilato hangataky gny fatin'i Jesosy. 44Gaga Pilato hô maty sahaly Jesosy ; dra nitokaviny gny kapiteny dra nagnontany anazy izy raha maty Jesosy,45Gny fa nahazo antoky tamin'gny kapiteny izy fa maty Jesosy, dra nomeny an'i Josefa gny vata mangasiaky. 46Dra Josefa nivily hariryb madiniky. Nampizoso an'i Jososy teo amy gny hazofizalia izy,dra namono hariry madiniky Anazy, dra nametraky Anazy tai amy lolo ze nilavahany tao amy vatolapy. Bak'eo nanakodia vato teo amy varavaram-dolo izy. 47Dra hitan'i Maria Magdalena vo Maria renin'i Josesy gny toera nandevegna Anazy.
Chapter 16

1Gny tapisy gny andron'ny sabata, dra nivily zava-magnisy hosora amigny fatin'ny Jesosy i Maria Magdalena vo Maria renin'i Jakoba, dra Salome nivily hanitra ba handeha dra nagnososy gny fatin'i Jesosy. 2Vo maraindraimbe tamigny andro volohan'ny herignandro, dra nagnegny amigny lolo ereo aby niboaky gny masoandro.3Dra nifampizaka ereo ho: ''iza gny hagnakodia gny vato eo amigny vatrangaran-dolo ho asika?'' 4Gny fa nitraka ereo, dra hitany fa voakodia niala gny vato, izay tena lahibe tokoa.5Nilisy tao andolo izy reo dra nahita zatovolahy nekazo fosy, nitoboky teo akavanana, dra gaga izy reo. 6Dra hiy izy tamin'ereo ho: ''ka matahosy. mitalia an'i Jesosy handrareo, gny Nazarena, izay nomboa nisanga izy! sy eto izy. Atio gny toera izay nanobohandrareo anazy. 7Fa mandehana, zakao reo pianany vo Petera fa hialoha lala andrareo agny Galilia izy. Agny gny hahitandrareo anazy, araky izay nizakan'ny tamindrareo.''8Niboaky izy reo dra nilomay niala gny lolo; nangovosy vo talazo izy reo. Sy nizaka dre ino dre ino tamignolo izy reo satria tena natahosy fatrasy.9(Fagnamariha: gny fandikany taloha soa gny mangalaky gny Marka: 16:9-20) vo maray tamigny andro volohan'ny hirignandro, tafaran'ny nisanganany, dra niseho taminazy Maria Magdalena aloha izy, gny nandroahany demonia fito. 10Dra nandeha Maria dra nizaka gny vaovao tamin'ereo nindray tamin'i Jesosy, gny bo nisaona vo nitomagny izy reo. 11Ren'izy reo fa velo izy dra nahita anazy izy, fa saiky sy nino izy reo.12[Gny fandika taloha soa dra ala gny mark16:920]tafaran'ereo raha reo jesosy dra niseho tamigny andriky hafa tamigny ro tamin' ereo, raha nandeha ho agny an-tanana ereo.13Dra lasa ereo vo nizaka tamin' ereo mpianasy sisa, saingy sy nino ereo14[fagnamariha: Gny fadika taloha soa dra mangalaky gny mark16:9-20]tafarany masaisaikky dra niseho tamin' ny iraika ambiny folo lahy jesosy gny bo teo am-pihinana izy ereo Izy ereo, vo nizaka fatrasy anazy ereo vogny sy finoa vo hamafiny fon'izy ereo, satria sy nino ereo izay nahita anazy tafarany nisaganany tamin' ny maty izy ereo. 15Dra ho izy tamin'ereo ho: "Mandeahna agny amizaho totolo izao, dra torio amigny olo aby gny Filazatsara.16Ze mino vo ze atao batisa gny ho voze, vo izay sy mino dra helohy.17[fagnamariha: gny fandika taloha soa dra mangalaky gny mark16:9-20] Ereo famatara ereo dra hagnoriky ereo ze mino: amigny agnarako vo hamoahan' izy ereo demonia. fizaka aminazy fizaka vaovao izy ereo.18Handramby gny menarana amigny tagnany izy ereo, dra raha nino rahamahafaty izy ereo dra sy hampagnino an' ereo zay. Hametratagna amigny marary izyereo, dra ho sitrany ignohagny.''
20Dra lasa ereo mpianasy nitory teny aziaby tagny, vo gny tompo niaraniasa tamin'izy ereo ary nagnafatrasy gny teny tamin'ny alalan'ny famatara izaho niaraky tamin'ny ereo

Luke

Chapter 1

1 Maro gny niezaky nanorasy tatara mahakasiky gny raha-nisanga ze tateraky teto amisika, 2araky ze fa nanoloran'ereo anazy tamisika, ze fa vavolombelo nanatri-maso vo mpanompon'gny tegny hatragny am-piandoha. 3Dra aminahy avo koa dra mety-gny fa nanadihady soa gny fandehan'gny raha aby hatramin'gny volohany gny hanorasy tatisy araky gny filaharany ho anao,ry Teofilo mendriky indrindra. 4Zay dra hahalalanao gny mary momba gny raha ze nampianary anao.5Tamin'gny andron'i Heroda, Mpazakan'gny Jodia, dra nisy raiky tamy mpisoro tokavy ho Zakaria, laha tamin'gny antokon'i Abia. Gny valiny dra laha tamin'gny zanakapelan'i Arona, dra gny agnarany dra Elizabeta. 6Samy mary teo anatrehan'Agnahary ereo,dra nakato gny didy aby vô gny fisipiky gny Topo. 7fa sy nana-zanaky seky ereo,satria momba Elizabeta, dra samy fa tena atisy avo koa izy rô reo tamin'izay fotoa zay.8Dra zay dra mahakasiky an'i Zakaria teo fanatrehan'Agnahary, nagnatateraky gny asan'gny fisorona araky gny fofandimbiasan'gny isan-tokony. 9Araky gny fomba fanaon'ereo gny amy fisafiliana mpisoro ze tokony hanompo, dra voafilin'gny kodia masaiky hilisy hagnoro gny emboky magnisy ao am-fiangona gny Topo izy. 10Tamin'gny lera nagnoroa gny emboky magnisy dra nivavaky tegny ambaliky gny vahoaky aby.11Dra nisy azely gny Topo niseho taminazy dra nisanga teo ankavanan'gny alitara nisy gny amboky magnisy. 12Gny fa nahita anazy i Zakaria, dra natahosy vo heniky gny tahosy izy. 13Fa hoy gny azely taminazy:''Ka matahosy , ry Zakaria, fa nitenoanao gny vavakao. Hitoe-zaza lahy aminao Elizabeta valinao. Jaona gny ataonadrareo agnarany.14Hanam-pifalia vo haravoa anao, dra maro koa gny ho faly amy fahaterahany. 15Satria ho lahibe izy eo amason'gny Topo. Sy hino divay dre raha-pinomy mahary mihisy izy, dra ho feno gny Fanahy Masy hatragny an-tron-dreniny izy.16Maro amy vahoakin'Israely gny hitoliky amy Topo Zagnaharin'ereo. 17Handeha eo alohan'gny tavan'gny Topo amy fanahy vo gny herin'Elia izy. Zay gny ataony dra gny ba hitolihan'gny fon'gny ray amin'gny zanaky, ba handehanan'ereo ze sy magneky amy lalan'gny fhendren'gny mary ba hagnoma vahoaky fa vonona ho an'gny Topo nohomany ho Anazy.''18Dra Zakaria nizaka tamin'gny azely ho:''Nanao akory gny ahalalako anizay? Fa zaho fa anti-dahy dra gny valiko dra tena fa atisy.''19Dra hoy gny azely namaly vo nizaka taminazy:'Izaho gny Gabriela, gny misanga eo anatrehan'Agnahary. Dra voairaky zaho ba hizaka aminao, hinday anizao vaovao soa zao aminao. 20Koa indro! Ho moa anao, dra sy afaky hizaka, mandra-piavin'gny andro hisehoan'ereo raha reo. Satria sy nino gny zakako anao, zay ho tateraky amy fotoa voafarisy.''21Dra gny vahoaky sasa-niamby an'i Zakaria. Gaga nohon'gny fizanognany maharisy tao anm-piangona ereo. 22Fa gny niboaky izy , dra sy afaky niresaky tamin'ereo . Dra fatasin'ereo fa nahita fahita izy tamy tao am-piangona. Nanao baiko moana tamin'ereo izy dra nizano ho moana. 23Dra gny fa avy gny andro ahataperan'gny fanompoany, dra lasa noly tagny an-tragnony izy.24Tafaran'ereo andro reo,dra nitoe-zaza Elizabeta dra nivony nandrisy gny dimy vola. Ho izy ho:25''Zao gny nataon'gny Topo ho anahy gny fa nisizo anahy Izy ba hangalaky gny hegnasiko eo anatrehan'gny olo.''26Teo amy faha enim-bola, dra nirahin'Agnahary gny azely Gabriela nagnagny amy tana raiky tao Galilia tokavy hô Nazareta, 27ho agny amy veriziny raiky ze fofom-baliny lelahy tokavy hô Josefa. Agnisan'gny taranak'i Davida izy, dra gny agnaran'gny veriziny dra Maria. 28Nagneo aminazy izy dra nizaka hô:''Arahaba , gny nohasoavina indrindra! Gny Topo ho ao aminao.''29Fa tegna very hevisy tamin'gny zaka izy nagnotany vata hô karaza fiarahaba ino se zay.30Ho gny azely taminazy:''Ka matahosy, ry Maria, fa nahita sitraky tamin'Agnahary anao. 31Indro, hitoe-zaza anao dra hiteraky zazalahy . Dra gny agnarany ho tokavy hô Jesosy.'32Ho lahibe Izy dra ho tokavy hô Zanaky gny Avo Indrindra. Gny Topo Zagnahary hagnome Anazy gny seza fiandrianan'i Davida razambeny. 33Dra hazaka mandrakizay amy taranak'i Jakoba izy,dra sy hanam-pahatapera gny fakazany.''34Hoy Maria tamin'gny azely :''Nanao akory gny hisehoan'izay ,fa bo sy niara-nandry tamy lelahy zaho?''35Gny azely namaly vo nizaka taminazy hô:''Hirosaky aminao gny Fanahy Masy , dra gny herin'gny Avo indrindra gny ho avy aminao. Ka gny masy ho teraky dra ho tokavy hô Zanak'Agnahary.36Indro, Elizabeta havanao dra nitoe-zaza lahy avo koa dre dra tamy fahaterany avo. Fa faha enim-bola gny anazy zao, izy gny nitokavy hô momba. 37Satria sy misy raha sy ho azo taterahy amin'Agnahary.'' 38Ho i Maria:''Tihôky izaho gny mpanompovavin'gny Topo. ao ho tateraky aminahy zay araky gny hafasinao.'' Dra niala teo aminazy gny azely.39Dra tamin'izay andro zay i Maria dra niala dra nandeha malaky nagnagny amy tany abo, agny amy tanan'i Jodia. 40Nangnangny amy tragnon'i Zakaria izy dra niarahaba an'i Elizabeta. 41Dra nony gny nahare gny fiarahaban'i Maria i Elizabeta,dra nibitaky gny zaza tao an-trony, dra feno gny Fagnahy Masy Elizabeta.42Nampiakam-peo vo nizaka fatrasy izy ho:''Nosoavy noho gny ampela aby anao, dra nosoavy gny nateraky gny kibonao. 43Nanao akory zay gny misy aminahy fa gny renin'gny Topoko gny avy hagnato anahy?44Fa ingo, gny fa avy teo asofiko gny fiarahabanao, dra nietan-kafalia gny zaza ato an-troko. 45Sambasy izy ze nino fa ho tateraky reo raha ze nizakan'gny Topo taminazy.''46Ho i maria: "midera gny tompo gny fagnahiko,47Vo gny fagnahiko nifaly tao amin' andriamanitra mpamoziko.48Fa nagnety gny fahanran' ny mpagnampiny apela Izy.Vo iho, manombokamizaho gny taranakiziaby nitoka anahy ho sambasy.49satria nanao raha lahibe taminahy i mahefa gny raha aby vo masina gny agnarany.50Fa maharisy ho agny taranaky faramandimby ze matahosy vo gny famindram-pony.51Nampiseho gny heriny tamigny sandriny izy; dra namparitaky ereo ze nirehareha tamigny eriseriny gny fon' ereo.52Naongany tamigny seza fiandrianany gny zzanaky lahin' ny mpazaka vo ereo ambany nakalazany.53Nataony visy rahasoa ereo resy, fa gny mpanakarena nampiheregniny sy nanagna ino na ino.54Nagnome fagnampia gnan'Israely mpagnampiny Izy, ba hahatriarovany haneho famindram-po55(araky gny nizakany tamindrareo rasika) tamign' i abrahama vo gny taranany mandrakizay.''56Nizano nitoesy tao amin'i Elizabeta tokony ho telo vola i Maria dra avy eo nihery noly tagny an-tragnony. 57Dra avy gny fotoa hiterahan'i Elizabeta izy. 58Nahare gny famindram-po lahibe nataon'gny Topo taminazy gny mpiara-mony aminazy vo reo havany , dra niara-paly taminazy ereo.59Dra tamin'gny andro fahavalo dra avy hamora gny zaza ereo. Saiky ho tokan'ereo hô''Zakaria,'' araky gny agnaran-drany izy. 60Fa gny reniny koa namaly dra nizaka hô:''aha. Jaona gny hitokava anazy.''61Dra ho ereo taminazy: ''Sy misy amy havanao tokavy amin'izay agnara zay.''62Nanao baiko moa tamy rany ereo gny amy tiany ho atao agnarany. 63Nangataky solaisy fanorata gny rany dra nanorasy hô:''Jaona gny agnarany.'' Dra gaga tamin'izay aby izy.64Dra niaraky tamin'izay dra nisokaky gny vavany dra nala gny lelany. Nizaka izy dra nidera an'Agnahary. 65avy teo amin'ereo aby nagnodidy anazy gny tahosy. Dra niely eraky gny tana agnevon'i Jodia gny raha-niseho teo aby. 66Dra reo aby nahare gny dra mandray anio tao am-pony , dra nizaka ho:''Hazary ino itiho zaza itiho ity?''Fa momba anazy gny tagnan'gny Topo.67Dra feno gny Fanahy masin'i Zakaria rany dra naminany, dra nizaka ho:68''Deray seky gny Topo, Zagnaharin'Israely, fa avy nagnapy vo nagnatateraky gny fagnafaha ho agny vahoaky Izy.69Nanandrasy agn'abo gny tandrom-pagnavota ho asika ao an-tragnon'i Davida mpanompony Izy, 70tahaky ze nizakany tamy vavan'ereo mpaminany masy tamy andro taloha tagny. 71Hinday famoze amy fahavalosika vo amy tagnan'ereo aby malaiky asika Izy.72Zay gny hataony dra gny ba hampisehoa gny famindram-po amin'ereo rasika vo hampasiahiva gny fanekem-pihavanany Masy, 73dra gny fianiana nizakany tamin'i Abrahama rasika. 74Niania gny hahazoasika , fa gny afaky tamy tagnan'gny fahavalosika, manompo Anazy sy ami-tahosy ,75am-pahamasina vo am-pahamarigna eo anatrehany amy androsika aby.76Egny , dra anao , ry zaza, dra ho tokavy ho mpaminanign'abo Indrindra, fa handeha hialoha gny tavan'gny Topo anao dra hagnamboasy gny lalany, ba hagnoma dra olo gny amy fiaviany, 77ba hagnome fahalalam-pamoze ho agny olony amy alalan'gny famela gny helok'ereo.78Zay gny hiseho dra nohon'gny famindram-po masin'gny Zagnaharisika, nohon'gny amin'izay gny hiposahan'gny masoandro baka amy avo ba ho avy hagnapy asika,79hagnazava an'ereo ze mipetraky ao agnatin'gny hezy vp reo ao agnatin'gny aloky gny fahafatesa. Hataony zay ba hitariha gny tombosika amy lalam-piadagna.''80Dra gny zaza dra nitombo dra avy nahery amy fagnahy,dra tagny agn'efisy izy mandra-piavin'gny andro hisehoany ankarihary amin'Israely.
Chapter 2

1Dra tamizay andro zay, dra nandefa lily mibaiko ze mibaiko eto amizao totolo izao Aogosto Kaisara. 2Izay gny fagnisaham-bahoaky natao volohany tamin'i Kyrenio gny panapaky tagny Syria. 3Noho izay gny olon'aby dra nagnagny amigny tana niaviany aby ba hisorasy agnara ho anigny fahasolam-bahoaky.4Dra nandeha niakasy boaky a Galilia agny koa, boaky a tanananigy Nazareta agny, ho agny Jodia, tanan'i Davida ze tokavy ho Betlehema, akory izy boaky amigny tragno vo fianakavian'i Davida. 5Nandeha tagny izy ba hanorasy agnara niaraky tamin'i Maria, ze fofom-baliny dra nivesasy izy.6Dra raha bo tagny ereo , dra avy gny fotoa hiterahany gny zanany. 7Niteraky zaza lahy izy, zanany volohany, dra izy nandrokoky lamba-zaza Anazy vo nampandry Anazy teo amy fihinanam-bilo, satria sy nisy toera ho anazy reo tao amy hotely.8Nisy mpiaraky agn'ondry tamin'izay farisy zay ze nizano tagny an-tanimboly, niamby gny andianagn'ondry tamy hariva. 9Nisy azely gny Topo niseho tamin'ereo, dra gny voninahisy gny Topo namirapirasy magnodidy anazy, dra feno tahosy lahibe ereo.10Dra nizaka tamin'ereo gnmy azely nanao ho:''Ka matahosy, fa hinday vaovao soa ze hinday hafalia lahibe ho an'gny olo aby zaho. 11Androany dra nisy mpagnavosy ze teraky ho andrareo agny an-tanan'i Davida! Izy gny kristy Topo! 12Zao gny famatara ze home andrareo:Hahita zazakely mirakosy lamba-zaza dra mandry eo amy fihinanam-bilo andrareo.''13Tapoky teo niaraky tamin'gny azely,dra nisy tafiky gny lagnisy lahibe nidera anagn'Agnahary nanao ho:''14Voninahisy ho an'Agnahary agny amy avo indrindra, dra hisy fiadana seky eto an-tany eo amy olo ze ankasitrahany.''15Dra gny fa niala teo amin'ereo nagnagny an-dagnisy gny azely, gny mpiamby agn'ondry nifampizaka ho:''Andeha isikazao ho agny Betlehema, dra hagnety anizay raha-niseho zay, zay nampahafatarin'gny Topo asika zay.''16Nandeha malaky tagny ereo dra nahita an'i Maria vo Josefa, dra nahita gny zazakely nandry teo amy fihinanam-bilo.17Tafaran'gny nahitan'ereo Anazy,dra nampahafatarin'ereo gny raha aby nizaka anazy gny momba io zaza io. 18Zay aby nahare anizay dra gaga gny amy nizakan'gny mpiaraky agn'ondry tamin'ereo. 19Fa Maria koa nanohy nieriserisy momba gny raha aby ze reny,dra nitahiry anio tao am-pony. 20Nihery gny mpiaraky agn'ondry, nagnome voninahisy vo nankalaza na'Agnahary noho gny raha aby ze ren'ereo vo hitan'ereo, araky ze nizakany tamin'ereo.21Gny fa tapisy gny andro fahavalo, gny fa nofora Izy,dra nome agnara ho Jesosy , gny agnarany nomen'gny azely Anazy talohan'gny nametraha Anazy tao an-trony.22Dra gny fa dila gny isan'gny andro nitakiny hiliovany, araky gny lalan'i Mosesy, dra ninday Anazy niakasy ho agny am-piangona tao Jerosalema i Maria vo Josefa ba hanolosy Anazy eo amy Topo.23Araky ze voasorasy ao amy lalan'gny Topo hô:''Gny lahy aby ze voaloha-teraky dra hatoka ho an'gny Topo.''24Noho zay dra nanolosy soro araky ze voazaka ao amin'gny lalan'gny Topo ereo,''damohina rô dre zanaky voromailala rô.''25Dra indro, nisy lelahy tagny Jerosalema, Simona gny agnarany, dra zay lelahy zay dra mary vo mafana fo. Nitalia gny fampionogna an'Israely izy, dra tao aminazy gny Fanahy Masy. 26Nagnambaran'gny Fanahy Masy taminazy fa sy hahita fahafatesa mialohan'gny ahiatany gny kristian'gny Topo izy.27Nitarihin'gny Fanahy , nagnagny am-piangona Simona. Fa gny ninday an'i Jesosy zazakely nilisy gny ray aman-dreniny, ba hanao anazy araky gny fomba ao amy lala, 28dra nirambesiny ho egny asandriny Izy sady nidera an'Agnahary dra nanao ho:29''Amizao angao andeha am-piadana gny mpanomponao, ry Topo, araky gny zakanao.30Fa gny masoko nahita gny famozenao,31zay namaninao teo amy fanatrehan'olo aby:'v 32 Dra fahazava ho fagnambara ho an'gny zetilisa dra voninahisy ho an'Israely olonao.''33Gny ra vo gny renon'gny zaza dra kamo tamin'gny raha nizakany mahakasiky Anazy. 34Niso-drano anazy gny Simona dra nizaka tamin'i Maria reniny ho:''ingo, itiho zaza itihodra voatendry ho amin'gny fandavoa vo fanandrata gny olon'Israely maro dra ho famatara ze nandagnany 35dra hisy sabasy handoaky gny fagnahinao ba ho voambara gny hevisy gny fo maro.'''36Nisy mpaminany vavy raiky tokavy ho Ana teo. Zanakapelan'i Fanoela laha tamin'gny foko Asera izy. Tena atisy izy . Nipetraky niaraky tamin'gny valiny fito tao tafaran'gny nahaviriziny anazy izy, 37dra mpinday vata naharisy gny efasy amby valopolo taona. Sy nanga gny tempoly marina izy vo manompo tamign' ny fifadian-kanina vo vavaky, andro aman'alino.38Taminizaho lera izaho dra nagnato mariny anazy ereo izy vo nanomboky nagnome fisora an'agnahary vo nizaka gny mombanigny zaza tamigny olon'aby ze nandigny gny fagnavota an'i Jerosalema.39Gny fa nahavita gny raha aby napanoviny araky gny lalanigny Topo ereo, dra nihery ta Galilia agny, agny amigny tanan'ereo a Nazareta agny. 40Nihalahibe gny zaza dra nihanatazaky, nitombo fahendrena, dra gny fahasoavan' Agnahary dra tao aminazy.41Gny ray aman-dreniny dra nagna Jerosalema agny isatao hamozy gny firavoravoanigny Paska. 42Gny fa ro ambinigny folo tao izy, dra nandeha nagnagny araky gny fomba fanao amigny fety ndraiky ereo. 43Dra gny fa boaky nitoby tagny nandrisy gny andronigny fety manotolo ereo, dra nanomboky nihery noly ereo. Fa Jesosy zazalahy nizano ta Jerosalema agny nefa sy fatasy gny ray aman-dreniny zay. 44Nataon'ereo fa niaraky tamigny olo niara-dia tamin'ereo izy, dra nandeha nandrisy gny andro raiky manotolo ereo. Dra boakeo dra nanomboky nitalia anazy tagny amireo havany vo reo namany ereo.45Gny fa sy hitan'ereo Izy, dra nihery ta Jerosalema agny ereo dra nanomboky nitalia anazy tagny. 46Gny fa ny afaky telo andro, dra hitan'ereo tao atepoly izy, nipetraky teo agnevon'ireo papianasy, niteno anereo vo nametraky fagnotania tamin'ereo. 47Ze nahare anazy aby dra gaga tamigny fahalalany vo reo valizakany.48Gny fa nahita anazy ereo, dra talazo. Gny reniny nizaka taminazy ho: "Zanako, nagnino hanao gny nanao manahaky anizao anahy? Tenoy, izaho vo gny babanao nitalia anao tami-tebiteby." 49Izy nizaka tamin'ereo ho: "Nagnino handrareo gny nitalia anahy? Sy fatandrareo ra fa sy maisy ho ao atragnonigny Rako zaho?" 50Fa sy azon'ereo ze tiany hizaka tamin'izay zaka zay.51Dra noly niaraky tamin'ereo tagny Nazareta Izy sady nankato anazy reo. Gny reniny dra nitahiry anizay raha aby zay tao am-pony. 52Fa Jesosy nihanitombo fahendrena vo nitombo vata, dra nitombo fitia tamin'Agnahary vo gny olo.
Chapter 3

1Ramy tao faha dimy ambinifolo nazakan'i Tiberie kaisara-fony pontio Pilato gny goveronoran'i Jodia, Herda dra mpanapaky tao Galilia, Filipo rahalahiny dra mpanapaky tao amy farisy Itoria vo Trakonitisy , dra Lysania dra mpanapak'i Abilena, 2nandrisy gny fisorognam-ben'i Aniasy vo Kaiafa-dra avy tamin'i Jaona zanadahin'i Zakaria tagny agn'efisy gny zakan'Agnahary.3Nandeha tagny amin'ereo farisy aby magnodidy an'gny Jordana Izy, nitory gny batisan'gny fibebaha ho famelana gny heloky.4Araky gny voasorasy ao amin'gny bokin'gny zakan'gny Isaia mpaminany ho:''Nisy feo raiky nitoka fatrasy laha tagny agn'efisy ho:'Atovy vonona gny lalan'gny Topo, atovy mahisy gny lalan-kandehany.5Gny lohasaha aby ho totofa, dra gny tendrombohisy vo gny havoa hahesy, dra gny lala miholaky dra amboary hahisy, dra gny toera mikitoatoadra ho atao lala, 6dra gny nofo aby dra hahita gny famozenan'Agnahary.'''7Koa nizaka tamin'ereo vahoaky ze avy ataony batisa i Jaona ho:''Andrareo ry taranaky gny menarana! Iza gny nampitandry andrareo ba handositry gny fahaoria ze ho avy?8Noho zay . mamokara tegnany mendriky gny fibebaha , dra ka manomboky mizaka ao agnatindrareo ho:''zahay mana an'i Abrahama ho ranay,' fa mizaka andrareo zaho fa Zagnahary dra afaky mananga zanaky ho an'i Abrahama baka amin'itahoky vato tahoky.9Amizao gny famaky dra mipetraky eo amin'gny fotosy gny hazo. Koa gny hazo aby ze sy mamoa tegnany soa dra voatapaky dra haria agny amin'gny afo.''10Dra gny vahoaky dra nagnontany anazy hatragny , nizaka ho:''Ino gny ataonay?''11Namaly izy dra nizaka tamin'ereo ho:''Raha misy olo mana akazo lava ro, tokony mizara anizay amy olo raiky ze sy mana izy , dra ze mana sakafo koa dra tokony hanao manahaky anizay.''12Reo mpamory hetra koa dra avy ba hatao batisa, dra nizaka taminazy ho: ''Mpampianasy o, ino gny sy maisy ataonay?''13Izy nizaka anazy reo ho:''Ka mamory vola mihoasy noho ze ampangala andrareo.''14Miaramila maromaro koa nagnontany anazy,nizaka ho:''Nanao akory gny momba anay? Ino gny sy maisy ataonay?'' Izy nizaka tamin'ereo ho:''Ka mangalaky vola amin'olo an-keriny, dra ka miapanga vandy olo. Mifalia amy karamandrareo.''15Dra raha niamby fatrasy gny fahavian'i Kristy gny vahoaky, dra nagnontany tao am-pony gny mahakasikan'i Jaona gny kirairaiky, dre mety ho izy dre sy izy gny kristy. 16Jaona namaly tamy fizaka anazy aby ho:''Raha gny aminahy, dra manao batisa andrareo amy mahery mihoasy anahy, dra sy mendriky zaho dre dra hamaha gny fehi-kapany . Hanao batisa anadrareo amy Fanahy Masy vo gny afo Izy.17Eo an-tagnany gny fikororohany ba hagnaliova soa gny ao am-pomoloany vo hanangona gny vary ho agny amy sompiny. Fa ho oroa amy afo sy mety vono gny lila.''18Niaraky tamy fagnanara maro hafa avo koa , Jaona nitory vaovao soa ho agny vahoaky. 19Heroda mpanapaky gny fa nanary nohon'gny fanambalia gny valin-drahalahiny Herodiasy, vo nohon'gny raha rasy hafa aby ze vitany, 20dra ho fagnampin'izay aby zay. dra niboaky tagny am-poza Jaona.21DRam gny fa vita batisa avo koa gny olo aby,dra natao batisa koa Jesosy , dra raha bo nivavaky izy, dra nisokaky gny lagnisy, 22dra gny Fanahy Masy nangalaky endriky ka nizoso teo aminazy tahaky gny voromailala,dra nisy feo bak'agny an-dagnisy nanao ho:''Anao gny Zanako. malalako. Faly Zaho nohon'gny aminao.''23Gny fa nanomboky gny asa fanompoany Jesosy, dra teo amin'gny telo-polo tao teo nIzy, Izy gny zanadahin'i ( arakky gny fihevera) Josefa , zanak'i Hely, 24zanak'i Matata, zanak'i Levy, zanak'i Melky, zanak'i Janay, zanak'i Josefa.25Josefa dra zanak'i Matitia, zanak'i Amosa, zanak'i Nahoma, zanak'i Elsy, zanak'i Nagay, zanak'i Mata,26zanak'i Matatia, zanak'i Semey, zanak'i Joseka, zanak'i Joda.27Joda dra zanak'i Joanana, zanak'i Rase, zanak'i Zerobabela, zanak'i Seltiela, nazak'i Nery, 28Zanak'i Melky, zanak'i Ady, zanak'i Kosama, zanak'i Elmadama, zanak'i Eliezara, zanak'i Joreima, zanak'i Matata, zanak'i Levy.30Levy dra zanak'i Simeona, zanak'i Joda zanak'i Josefa, zanak'i Jonama, zanak'i Eliakima, 31Zanak'i Malea, zanak'i Mena, zanak'i Matata, zanak'i Natana, zanak'i davida, 32Zanak'i Jese, zanak'i Obeda, zanak'i boaza, zanak'i Salmona, zanak'i Nahasona.33Nahasona dra zanak'i Aminadaba, zanak'i Adimina, zanak'i Arny, zanak'i Hezrona, zanak'i Fazera, zanak'i Joda, 34zanak'i Jakoba, zanak'i Isaka, zanak'i Abrahama, zanak'i Tera , zanak'i Nahora, 35zanak'i Seroga, zanak'i Reo, zanak'i Palega, zanak'i Ebera, zanak'i Sela.36Sela dra zanak'i Kenana, zanak'i Arpaksada, zanak'i Sema, zanak'i Noa, zanak'i Lameka, zanak'i 37Metosela, zanak'i Enoka, zanak'i Jareda, zanak'i Mahalalila, zanak'i Kenana, 38zanak'i Enosa, zanak'i Seta, zanak'i Adama, zanak'Agnahary.
Chapter 4

1Tafaran'i Jesosy, gny feno gny fagnahy masy, dra nihery avy tagny amigny reniranon'i Jordana, dar nandesiny fagnahy masy tagny agnefisy. 2Izay nangalany devoly fagnahy anazy nandrisy gny efapolo andro. Sy nihina dre ino dre ino izy nandrisy reo andro reo, tamigny fotoa farany dra resy izy.3Gny devoly nizaka taminazy ho: ''gny zanak'i Zagnahary hanao, dra didio ho lasa mofo io vato io.'' 4Jesosy namaly anazy ho: ''voasorasy ho: ''sy gny mofo avo gny ivelomani gnolo.''''5Avy eo nandesiny devoluy tegny amigny toera agnabo dra napotorony anazy malakilaky gny fazakana aby zao totolo zai. 6Gny devoly nizaka taminazy ho:'' homeko anao gny fahefana aby vo gny famirapiratany aby, satria, fa name anahy reo, dra afaky omeko gny olo izay tiako ome anazy. 7Noho zay, gny miakohoky vo manopo anahy hanao, dra ho azonao izay.'''8Kanefa Jesosy namaly dra nizaka anazy ho:''' Voasorasy ho:'' Hidera gny tompo Zagnaharinao hanao, dra izy raiky avo gny ho tompoinao.'''9Avi eo gny devoly dra ninday an'i Jesosy tagny Jerosalema dra nataony tegny amigny fara-tampon'ny tempoly, dra nizaka taminazy ho:''Gny zanak'i Zagnahary hanao, dra azerao avy atiky gny tegnanao. 10Satria fa voasorasy ho:''hibaiko gny azileny gny aminao izy, ba hiaro anao, 11Dra'' izy reo hanandrasy anao amigny tagnany, ba sy ho tafitohin'i vato gny tombokao.'''12Namaly anazy. Jesosy nizaka ho:'' fa zinaka ho:'' ka mangalaky gny tompo Zagnaharinao.''' 13Gny vita gny fangalan'ny devoly fagnahy an'i Jesosy, dra nandeha izy dra nagnenga anazy ambara pahavin'ny fotoa hafa.14Avy eo Jesosy nihery tagny Galilia tamigny herin'ny fagnahy, dra gny vaovao momba anazy dra fa niely nanera gny farisy magnodidy aby. 15Dra nanomboky nampianasy tao amigny Synagogan'izy reo izy dra nideran'ny aby.16Nandeha tagny Nazareta izy , gny tana nahalahibe anazy, dra araky gny fomba fanaony, dra nilisy tao amigny Synagoga tamigny andro Sabata izy dra nisanga ba hamaky teny fatrasy. 17Natolony anazy gny horonan-taratasin'Isaia paminany. Nisokafiny gny boky dra hitany gny toera nanoratana anazy,18''Gny fagnahin'ny tompo dra tao aminahy, satria izy nanorasy anahy hizaka gny vaovao mahafaly ho an'ny mahatra. Izy gny nandeha anahy hizaka fahafahana ho an'ireo babo, dra hagnery gny fahitana ho an'ny zamba, hagnafaky reo zay apahoria, 19Hizaka gny taom-pakasitrahana an'i Zagnahary.''
20Avi eo dra naoriny gny taratasy, naheriny tagny amigny pitandry, dra nitoboky izy. Gny mason'ireo aby tao amigny Synagoga dra nibazian anazy. 21Nanomboky nizaka taminazy reo izy ho:'' androany itiky sarasy masina tiky dra tateraky eo apitenoandrareo.'' 22Gny aby tao dra nizaka soa gny momba anazy dra gaga tamigny teni-pahasoava izay naloaky gny vavany izy reo, dra nagnotany izy reo ho:'' fa sy gny zanak'i Josefa se tiky?'''23Izy nizaka tamin'ereo ho:'' azo atoky fa hizaka itiky ahobolana tiky aminahy handrareo ho;'' dokotera, satria gny vatanao. Na ino na ino renay fa nataonao tao Kapernaomy, dra manova manahaky zay agny amigny taninao.''' 24Nefa nizaka izy ho:'' zakako marina amindrareo. si misy mpiaminany voaray ao amigny taniny.25Kanefa zakako marina amindrareo fa marop gny apela pitai-tegna tagny Israely tamigny andron'ny Elia, gny nihily gny lagnisy mandrisy gny telo tao vo enim-bola, dra nisy mosary lahibe avy teo amigny tany aby. 26Nefa Elia sy nalefa na tamin'iray tamin'izy reo aza, fa tao Zerapata agny Sidona avo, tagny amigny pinday tegna izay nitoboky tagny. 27Fa maro reo boka tao Israely tamigny andron'i Elia paminany, nefa sy nisy na dre raiky tamin'izy reo aza sitrany afa-sy Namana gny Syriana.'''28Gny olo aby tao amigny Synagoga dra heniky gny hatezerana aby nandre reo raha reo. 29Nisanga izy reo, nanery anazy hiala gny tanana, dra nandefa anazy tegny an-tepolin'ny havoana izay nioregnany tagnan'izy reo, ba hazera anazy amigny hasana. 30Nefa nandeha namakivaky teo agnevon'izy reo dra lasa nandeha tagny amigny toera-kafa.31Avy eo izy dra nizoso tagny Kapernaomy, tanana raiky agny Galilia, dra nanomboky nampianasy anazy reo tamigny Sabata izy. 32Izy reo dra nitolagaga tamigny fapianarana nataony, satria nizaka tamigny fahefana izy.33Dra tao amigny Synagoga dra nisy lelahy zay nitobohan'i fagnahy maloton'ny demonia, dra izy nihikiaka tamigny feo fatrasy ho:'' 34Ah! ino gny ifandresanay aminao, dra Jesosy avy agny Nazareta? avy ba hamotiky anay se hanao? fataso ho iza hanao-gny raiky masin'iZagnahary!'''35Jesosy nizaka fatrasy gny demony, dra nanao ho:'' Ka mizaka dra miala ao aminazy!'''' Gny nanipy gny lelahy hiazera niala tao agnevon'ereo gny demony, dra niala tao aminazy, dra sy nandrasy anazy sasy. 36nitolagaga aby koa gny oloaby, dra nanohy nifapizaka gny momba izay. Nizaka izy reo ho:'' fa zaka manahaky gny eza se zay?'' bekoiny amigny fahefana vo hery gny fagnahy maloto dra miboaky.'' 37Noho izay dra nanomboky niely nanera gny farisy magnodidy gny lazany.38Dra nagnenga gny Synagoga Jesosy dra nilisy tao an-tragnon'i Simona. Dra nampizalin'ny tazo mahery gny rafozambavin'i Simona, dra niangavy taminazy ho nazy izy reo. 39Dra nizoro teo alihany izy dra nizaka fatrasy gny tazo, dra niala taminazy izay. Avy hatrany izy dra nisanga dra nanomboky nanompo anazy reo.40Gny fa niletiky gny masoandro, dra ninday gny olo-drehetra nararin'ny arety maro samihafa teo aminy Jesosy gny olo. Nametra-tagna tamigny kiraikiraiky avy amin41Reo demony avo koa dra niala tao amy maro tamin'ereo, nihiakihaky fatrasy vo nizaka ho:''Anao gny Zanak'Agnahary!'' Jesosy nizaka fatrasy gny demonia dra sy nagnenga anazy gny hizaka,satria fatasin'ereo fa Izy gny Kristy.42Vao mangiran-drasy , dra nandeha tagny amy toera mangingiky Izy. Vahoaky marobe gny nitalia Anazy dra nagnegny amy toera ze nizy Anazy. Izy reo gny niezaky gny nihazo Anazy ba sy hiala eo amin'ereo. 43Fa Izy nizaka tamin'ereo ho:''Sy maisy mitory gny vaovao mahafaly momba gny fazakan'Agnahary amy tana maro hafa avo koa zaho, satria zay gny atony nagniraha anahy tetiho. 44Bak'eo Izy dra nanohy nitory tao amin'ereo Synagoga manera an'i Jodia.
Chapter 5

1Dra zao gny nisy, raha nitangoro nagnodidy an'i Jesosy gny olana dra niteno gny zakan'Agnahary, dra nisanga teo amoron'gny farihin'i Genesareta Izy.2Nahita Sambokely ro nizano teo amoron'gny farihy Izy. fa niboaky tao gny mpamita dra nanasa gny haratony. 3Nilisy tao amin'gny raiky tamin'ereo sambokely Jesosy, zay an'i Simona, dra nangataky anazy ba handefa anizay egny amy rano lavidavisy gny tanety. Bak'eo dra nipetraky Izy dra nampianasy gny olo tegny ambalikin'gny sambokely.4Gny fa nisahatry nizaka Izy, dra nizaka tamin'i Simona Izy ho:''Andeso gny ho agny amin'gny rano laliky koa gny sambokely dra halasao gny haratondrareo ba ahazoandrareo hazandrano.''5Simona namaly Anazy dra nizaka ho:''Topo o, fa niasa gny hariva totolo zahay, fa sy nahazo dre ino dre ino, fa nohon'gny zakanao, dra ho halasako gny harato.''6Gny fa nataon'ereo zay, dra nahazo hazandrano maro dra maro ereo,dra nitriasy gny haraton'ereo. 7Koa nanao fihesiky tamin'ereo namany ze tao agnatin'gny sambokely raiky hafa ereo fa ereo fa tokony ho avy dra hagnapy anazy reo. Dra avy ereo dra nameno gny sambokely ro, ka dra nanomboky niletiky ereo.8Fa Simona Petera, raha vao nahita anizay, dra nandohaliky teo an-tombon'i Jesosy, nizaka ho:''Miala aminahy, fa lelahy mpanota zaho.''9Fa gaga izy, vo reo zay aby niaraky taminazy, nohon'gny haben'gny hazandrano ze azon'ereo. 10Tao agnatin'izay Jakoba vo Jaona, zanak'i Zebedio, zay mpiara miasa amin'i Simona. Jesosy nizaka tamin'i Simona ho:''Ka matahosy , fa manomboky zao dra hagnarato olo anao.'' 11Gny fa nandesin'ereo tegny an-tanety gny sambokelin'ereo, dra nagnenga gny raha aby ereo dra nagnaraky Anazy.12Dra nisanga zao raha bo tao amin'gny raiky tamin'ereo tana Izy,dra nisy lelahy feno haboka teo. Nony nahita an'i Jesosy izy,dra nandohaliky teo aminazy nitalaho taminazy, nanao ho:''Topo, raha mety anao, dra afaky magnalio anahy.''13Dra nanondrosy gny tagnany Jesosy dra nikasiky anazy, nizaka ho:''Mety zaho. Maliova.''Teo noho eo dra afaky taminazy gny habokana.14Nirarany izy ba sy hizaka dre amin'iza dre amin'iza, fa nizakany taminazy ho:''Zory gny lalanao, misehoa amin'gny mpisoro dra manolora soro ho an'gny fagnaliova anao, araky ze nandidian'i Mosesy, ba ho fizoroa vavolombelo amin'ereo.'''15Kanefa gny tatisy momba Anazy niely lavisy be, dra vahoaky maro be gny niara-niavy ba hitenoa Anazy nampianasy dra ba ho sitrany amin'gny aretin'ereo. 16Kanefa matetika Izy dra niala nagnagny agny amin'gny tany rava dra nivavaky.17Dra tamin'gny andro raiky tamin'ereo andro nampianarany, dra nisy Fariseho vo mpampiara-dala nipetraky teo ze laha tamin'gny tana samihafa ao amy farisy Galilia vo Jodia, dra avy ao amy tanan'i Jerosalema. Gny herin'gny Topo gny tao aminazy ba hagnasitragna.18Dra nisy lelahy gn'ilany avy, ninday lelahy raiky ze voan'gny Paralisisa teo amin'gny fandria, dra ereo dra nitalia fomba hinday anazy ao agnatiny ba hametraha anazy ho eo agnoloan'i Jesosy. 19Sy nahita fomba hampilira anazy tao agnatiny ereo noho gny vahoaky, noho zay dra nagnagny amy tafo-tragno ereo dra nampizoso gny fandrian'gny lelahy bak'eo an-tafo tragno, tamin'gny fandriany, teo agnevon'olo, teo agnoloan'i Jesosy.20Gny fa nahita gny finoan'ereo ,dra hoy Jesosy ho:'Ralelahy, voavela gny helokao.''21Nanomboky nagnontany gny mpanora-dalana vo reo Fariseo, dra nizaka ho:''Iza moa itiho ze mizaka rasy itiho? Iza gny afaky mamela gny fahota afa-sy Zagnahary raiky avo?'''22Fa Jesosy, nahalala ze nieriseretin'ereo, namaly dra nizaka anazy ho:''Nanao akory andrareo gny magnontany anizay ao am-pondrareo?23Ino gny mora zaka koa:'Voavela gny helokao' sa gny mizaka ho:'Misangana dra mandehana?'24Nefa ba hahafatarandrareo fa gny Zanak'olo dra manam-pahefana hamela heloky eto an-tany , dra zakako aminao, misangana, andeso gny fandrianao dra mandehana agny an-tragnonao.''25Teo noho eo nisanga teo agnoloan'ereo izy dra nangalaky gny fandria ze nandriany, Bak'eo dra niala nagnagny an-tragnony izy, nagnome voninahisy an'Agnahary.26Talazona aby dra nagnome voninahisy an'Agnahary ereo. Feno tahosy ereo, nizaka ho: ''Nahita raha-mahagaga isika androany.''27Tafaran'gny nisian'ereo raha reo, dra niala teo i Jesosy dra nahita mpamory hetra raiky ze tokavy hô Levy nipetraky teo amy tragno lain'gny mpamory hetra. Nizaka taminazy Izy hô:''Magnaraha anahy.''28Dra nisanga i Levy dra nagnaraky Anazy, dra nagnenga gny raha_aby.29Dra nanao fanasa lahibe tao an-tragnony ho an'i Jesosy i Levy. Maro gny mpamory hetra vo gny olo hafa ze nipetraky teo amy latabasy dra nihina niaraky tamin'ereo. 30Kanefa gny Fariseo vo gny mpanora-dalana dra nitaray tamin'ereo mpianany, nizaka ho:''Nanao akory anao gny mihina vo mino miaraky amin'ereo mpamory hetra vo gny olo mpanota hafa?''31Namaly anazy Jesosy ho:''Sy mila dokotera gny olo salama hitokava gny olo-mary avo.32Sy avy hitoka gny olo mary ho amin'gny fibebaha Zaho, fa hitoka gny mpanota ho amin'gny fibebaha.''33Dra ho ereo taminazy ho:''Reo mpianasin'i Jaona dra matetiky mifaly hany vo mivavaky, dra gny mpianasin'ereo Fariseo dra manao manahaky anizay koa. Kanrfa gny mpianasy dra mihina vo mino.''34Jesosy nizaka anazy gny ho:''Moa se misy olo mahavita mampifaly hany gny havan'gny mpagnakasy raha manahaky dra bo mitoesy eo amin'ereo gny mpagnakasy? 35Fa ho avy gny andro ze hangala gny mpagnakasy eo amin'ereo , dra amin'izay andro zay dra hifaly hany ereo.'''36Dra nanao fagnohara tamin'ereo koa Jesoay. '' Sy misy olo maniasy tapa-damba baka tamin'gny lamba vaovao dra mampiasa anizay ba hagnamboasy gny lamab rota. Raha manao anizay izy dra hanimba gny lamba vaovao, dra gny tapa-damba avy tamin'gny lamba vaovao dra sy hifagnaraky amin'gny lamba rota.37Sy misy olo magnisy divay vaovao ao agnatin'gny siny holisy tota. Raha manao anizay izy, dra hampitriasy gny holisy gny divay vaovao, dra ho koaky gny divay, dra ho simba gny siny holisy. 38Fa gny divay vaovao dra sy maisy atao ao agnatin'gny siny holisy vaovao. 39Sy misy olo baka nino gny divay taloha ka hagniry gny vaovao , fa hoy izy ho:'Gny taloha gny soa.''
Chapter 6

1Vo tamigny sabata dra nandeha nagnagny an-nibary Jasosy vo ereo mpianasy nangalaky gny salohim-bary, nikosoka anizaho tamigny tagnan'izy ereo vo nihina gny voa.2Fa gny ilany tamin' ereo Fariseho koa nizaka ho: "Nagnino handrareo gny manao raha sy ara-dalana gny manao anazy amigny adro Sabata3namaly anazy reo, Jesosy nizaka ho:''bo sy nivakindrareo kay se izay nataon'i Davida aby izy, izy so reo lelahy izay nindray taminahy? 4Nandeha nagnao an-tragnon'i Zagnahary izy, dra nangalaky gny mofon'ny fa fagnatreha vo nihina gny ampahany koa gny lelahy izay nindray taminazy ba hihina, na dre gny pisoro avo koa aza gny araky gny lalana gny mihina izay.'' 5Avy eo izy nizaka tamin'ereo reo ho:''Gny zanak'olona dra tompon'ny sabata.''6Dra tamigny Sabata gny dre nandeha tao amigny Synagoga izy dra napianasy gny vahoaky tao. Nisy lelahy raiky maty tagna havana tao. 7Nagnety mariny anazy soa reo mpanora-dalana vo reo fariseo ba hahata gny hagnasitrana olo amigny Sababa izy, ba afahan'izy reo mahita atony hiampanga anazy. 8Kanefa fatany izay tao asain'ireo dra nizaka tamigny lelahy izay maty tanana izy ho:'' misangana, dra nandehana eto agnevon'ny olon'aby eto.'' koa nisanga gny lelahy dra nisanga teo.9jesosy nizaka tamin'ereo ho:'' magnotany andrareo zaho, ara-dalana amigny Sabata se gny fanova gny soa sa gny mamatoky anazy?'' 10Dra nagnety gny magnodidy anazy aby izy dra nizaka tamigny lelahy ho:''ahiziro gny tagnanao.'' Nanao izay izy, dra sitrana gny tagnany. 11Nefa feno hatezera izy reo dra nifampizaka momba izay mety ho hataon'izy reo amin'i Jesosy.12Tamin'izay andro izay dra nandeha nagnagny an-tendrombohisy izy ba hivavaky. Nitohizany nandrisy gny hariva tontolo gny fivavaha tamin'iZagnahary. 13Gny fa avy gny andro, nitoka gny pianany ho eo aminazy izy, dra nifily ro ambin'ny folo tamin'ireo izy, izay nitokaviny avo koa ho Apostoly.14Gny agnaran'ireo Apostoly reo dra Simona (izy izay nitokavy avo koa ho Petera) dra gny rahalahiny Andrea, Jakoba, Jaona, Filipo, Bartelemeo, 15Matio, Tomasy,Jakoba zanaky lahin'i Aifa, Simona izay tokavy ho Zelota, 16Jodasy zanak'i Jakoba, dra Jodasy Iskariota, izay avy pamadiky.17Avy eo Jesosy nizoso gny tendrombohisy nindray ramin'ereo dra nisanga tamigny tany marina nindray tamigny pianany maro vo vahoaky maro avy agny Jodia vo Jerosalema dra gny sisin-tanin'ny Tyro vo Sidona. 18Avy reo ba hiteno anazy dra ba ho sitragny amigny aretin'izy reo. Sitrany avo koa gny vahoaky izay korotagnin'ny fagnahy maloto. 19Gny olon'aby tamin'ireo vahoaky dra niezaky gny hikasiky anazy hatrany satria niboaky avy taminazy gny hery magnasitrany, dra sitrany aby koa ereo aby.20Dra nagnety gny pianany izy, dra nizaka ho:'' sambasy handrareo zay mahatra, fa andrareo gny fazakan'iZagnahary. 21Sambasy handrareo izay resy amizao, fa ho visy handrareo, Sambasy handrareo izay mitomagny amizao, fa hihomehy handrareo.22Sambasy handrareo aby malaiky andrareo gny olo dra gny ahilik'izy reo vo harasin'izy reo handrareo, nohon'ny amigny zanak'olo. 23Mifalia amin'izay andro izay dra mibitaha akafalia, satria azo atoky fa hahazo valisoa lahibe agny an-dagnisy handrareo, fa mitovy amin'izay gny nandesan'ny razan'ireo an'ireo paminany.24fa loza ho andrareo izay mana-kerena fa azondrareo izay mahafam-po andrareo. 25Loza ho andrareo izay visy amizao, fa bo ho resy handrareo agny afara agny.Loza ho andrareo izay mihomehy akehitriny, fa handala vo hitamagny handrareo agny afara agny.26Loza ho andrareo, aby mizaka soa momba andrareo gny olon'aby, fa mitovy amin'izay gny natan'ny razan'izy reo tamin'ireo paminany sandoky.27Fa mizaka amindrareo izay miteno anahy, tiavo gny fahavalondrareo gny soa amin'izay malaiky andrareo. 28Tahio izay magnozo andrareo dra mivavaha ho an'ireo izay manao sinosino andrareo.29Gny misy mamelaky gny takolakao raiky, dra omeo anazy koa gny ilany. Gny misy olo mangalaky gny lambanao, ka rasifagnahy na dre gny akazonao koa aza. 30Omeo izay aby mangataky aminao. Gny misy olo mangalaky gny raha izay anao, ka mangataky gny hameregnany izay aminao.31Manahaky izay tianao hataon'ny olo aminao, dra tokony hataondrareo amin'izy reo koa izay. 32Gny izay olo tia anao avo gny tiavinao, ino gny soa ho azonao amin'izay? fa gny. panota aza ba tia an'izay tia anazy koa. 'v 33Gny amin'izay olo manao soa anao avo koa hanao gny manao soa, ino gny soa ho azonao amin'izay? fa na gny panota aza dra manao manahaky izay. 34Gny sy mampindra afasy amin'izay olo holignisa fa hagnery izay aminao avo koa hanao, ino gny soa ho azonao amin'izay?fa na gny panota aza mampindra gny panota, ba hahazoana manahakan'izay koa.35Fa tiavo gny fahavalondrareo dra manova gny soa ho nazy reo. Mampindrama dra ka mandigny valiny dra ho lahibe gny valisoandrareo dra ho zanaky gny avo indrindra handrareo, fa izy tegnany dra soa fagnahy amin'izay sy misaotra vo gny olo sary fagnahy. 36Manana famin-drapo manahaky gny babandrareo mpamindra fo.37Ka misara, dra sy ho saraina handrareo. ka magnameloky, dra sy ho melohina handrareo. Mamela gny hafa, dra ho anga handraeo.38Magnomeza, dra omena andrareo izay. Fahafoeza be_izay atafotafo, miara-voahosana dra mitobaka-gny hararaky eo am-pofoana. Araky gny famaharandrareo, gny hamaharana andrareo manahaky izay koa.39Avy eo izy nanao fagnohara tamin'izy reo koa.''Moa se gny olo poaky afaky mitariky olo poaky hafa? gny manao izay izy, dra mety hilasaky agny an-kady izy ro, sa sia? 40Gny pianasy raiky dra sy lahibe noho gny papianany, fa izay aby nahatateraky gny fiofagna dra hitovy amigny papianany.41fa nanaoakory hanao gny magnety gny sombikazo masaisaiky izay ao agnatin'ny mason'ny rahalahinao, kanefa sy mahasikarisy gny vata-kazo ao agnaty masonao? 42Manaoakory gny hizakao gny rahalahinao ho:''ry rahalahy, mamela anahy hangalaky gny sombo-kazo eo amigny akory gny vata-kazo eo amigny masonao? ry piasaravelasihy! alao eo amigny masonao aloha gny vata-kazo, avy eo dra hahita soa handrareo dra afaky hangalaky gny sombin-kazo eo amigny mason'ny rahalahinao.43Fa sy misy hazo soa hamokasy voakazo io, dre ho hazo io hamokasy voakazo soa. 44Fa gny hazo kirairaiky dra fatasy amy karaza-tegnany ze vokariny. Fa sy afaky gny hioty aviavy amin'gny tsilo gny olo, dre hangalaky voloboky amy hazo voaroy.45Gny olo soa mamokasy ze soa avy amin'gny harena soan'gny fony, dra gny olo rasy mamokasy ze rasy laha tamin'gny haren-drasin'gny fony. Fa ze aloaky gny fony gny zakanin'gny vavany.46Fa magnino handrareo gny mitoka anahy ho;''tompo, kanefa handrareo sy makato izay raha zakako? 47Gny olo naby magnotany anahy so mahare gny zakako dra makato izay, dra ho zakako andrareo ho manahaky gny inona izy. 48Manahaky gny olo izay nanangana tragno izy, izay nandavaky laliky teo amigny tany dra nagnory gny fototry gny tragno teo agnabony vatolapy, Gny avy gny tondra-drano, dra nandriaky nanohisy izay tragno izay gny rano be, fa sy nampiontsona anazy, satria soa afara gny izy.49Dra izay olo mahare gny zakako anefa sy makato izay, dra mitovy amigny olo izay nagnory tragno teo agnabon'ny tany dra sy nagnisy fototra.Gny nandriaky namely io tragno io gny rano be, dra nizera avy hatragny izay, dra rava tanteraky izay tragno izay.''
Chapter 7

1Iziaby nahavita nizaka gny raha aby teo amigny vahoaky Jesosy, dra nidisy tao kspernaomy Izy.2Dra nisy kapiteny raiky nana mpanopo izay tena nazainy, dra narary vo fa mariny ho maty izy. 3Gny nahare gny momban'i Jesosy gny kapiteny, dra nagniraky loholon'ny Jiosy ho agny aminazy izy, hangataky anazy ba hoa avy dra hagnasitrany gny panopony. 4Dra gny avy teo amin'i Jesosy ereo , dra nangataky fatrasy taminazy, nizaka ho:''mendriky gny hanovanao izay hon'azy izy, 5Satria tiany gny firenenay, dra izy gny nagnamboasy gny Synagoga hon'any.''6Dra nanohy gny lalanynindray tamin'izy reo Jesosy. Fa gny bo sy lavisy gny tragno izy, dra nandfa namana gny kapiteny nizaka taminazy ho:''tompo o,ka manahira-tegna hanao, satri sy mandriky hidiranao ao ambanin'ny tafo-tragnoko zaho. 7Noho izay dra sy nihevisy gny tegnako ho mendriky hagneo aminao zaho. fa mizaka zaka raiky avo dra ho sitrany gny panopoko. 8Dra satria izao koa dra lelahy izay ambany fahefa, manana maramila ao ambaniko koa. Hoy zaho amin'ity raiky tiky ho:''mandehana, dra mandehana izy, dra amigny raiky hafa:''avia, dra tamy izy, dra amigny panopoko ho:'' atovy tiky dra ataony izay.''9Gny fa nahare izay Jesosy, dra talazo taminazy izy, dra nitoliky tamin'ireo vahoaky izay nagnoriky anazy dra nanao ho:''zakako amindrareo, fa na dre tagny Israely aza sy nahitako finoa manahaky anizao.'' 10GNy fa nihery tagny an-tragno ireo izay nirahy, dra nahita fa salama soa gny panopo.11Tafaran'izay, dra nandeha tagny amigny tanana atao ho Naina i Jesosy, dra nindray taminazy reo pianany vo ireo vahoaky maro be. 12Gny nagneky gny vavahadin'ny tanana izy, ingo, nisy lelahy raiky fa maty nandesy niboaky, zanaky lahy tokan'ny reniny (izay pindaitegna), dra vahoaky maro be avy ao amigny tanana gny nindray taminazy. 13Nony nahita anazy gny tompo, dra hagnome tanteraky anazy dra nanao taminazy ho:''ka mitomagny.'' 14Avy eo dra niakasy izy dra nisapa gny vata izay nandesananazy reo gny raza, dra nizano ireo ninday izay. Hoy izy ho:''Ry tovolahy, hoy zaho aminao, miaregna.'' 15Dra niary gny maty dra nanomboky nizaka, dra Jesosy nanolosy anazy amigny reniny.16Nandresy anazy aby gny tahosy, dra nanohy nidera an'i Zagnahary hatragny izy reo, nizaka ho:'' paminany lahibe gny nasanga eto amisika'' dra ''Zagnahary nisizo gny olony.'' 17Vaovao momban'i Jesosy dra niely nanera an'i Jodia vo ireo farisy magnodidy aby.18Ireo pianasy Jaona nizaka taminazy gny momba ireo raha ireo. 19Dra nitoka olo ro tamin'ireo pianany Jona dra nagniraky anazy reo ho agny amigny tompo ba hizaka ho:'' hanao se gny ho avy, sa tokony bo hagnety hafa izahay?'' 20Dra gny nagnato mariny an'i Jesosy izy reo, dra hoy reo lelahy ho:'' Jaona panao batisa gny nagniraky anay atiky aminao hagnotany ho:'' hanao se gny ho avy, sa tokony bo hagnety hafa izahay?''21Dra tamin'izay ora izay dra nahasitrany olo maro tamigny arety vo fahoria dra fanaitay avy amin'ireo fagnahy rasy izy, dra olo poaky maro gny napahitany. 22Jesosy namaly dra nizaka tamin'ereo ho:'' gny avy nandeha tamigny lalandrareo handrareo, tatero amin'i Jaona izay hitandrareo vo rendrareo. Nahirasy gny poaky, nandeha gny malemy, reo nalio gny boka, nahare gny maregny, nisanga-ko velo velo gny maty, dra nizaka gny filazasara gny olo agnatin'ny sy fahapia. 23Sambasy gny olo izay sy misahasy gny mino anahy nohon'ny ataoko.''24Dra nony nandeha ereo irak'iJaona, dra nanomboky nizaka tamigny vahoaky Jesosy gny momban'i Jaona ho:''hagnety ino gny niboahandrareo tagny agnifisy? volotara nahozongozon'ny rivosy se? 25Fa hagnety ino gny niboahandrareo tagny? lelahy mekazo soa se? atio, reo izay mignisy akazo lafo vily vo reo ao amigny lapan'ny pazaka. 26Fa hagnety ino gny niboahandrareo tagny? paminany se? egny, hoy zaho amindrareo, dra mihoasy lavisy noho gny paminany.27Izy gny voasorasy ho:''ingo, alefako mialoha anao gny pinday hafaso izay hagnoma gny lalanao mialoha anao.''28Zakako amindrareo, fa amindrareo izay natera-behivavy dra sy misy lahibe noho Jaona. Nefa gny masaiky indrindra ao amigny fazakan'iZagnahary dra lahibe noho izy.''29(Gny nahare izay gny olo aby, agnisan'izay reo pamory hetra, dra nizaka fa marina Zagnahary, satria natao batisa tamigny batisan'i jaona izy reo.30Fa reo fariseo vo reo pahay lalana Jiosy koa nanda gny tazon'iZagnahary ho an'ny tegnan'izy reo, satria sy nataon'i Jaona batisa.)31''Amigny ino, dra gny afahako mapitaha gny olo amigny taranaky tiky? manahaky gny ino moa izy reo? 32Manahaky gny mota mihira egny asena izy reo, izay mitoboky vo mifapitoka dra mizaka ho:''' nisoaky sidina ho andrareo izahay, dra sy nisizaky handrareo. Nanao hira fisogan ho andrareo izahay, dra sy nitomagny handrareo.33Fa Jaona mpanao Batisa avy sy nihina mofo dra sy nino divay, dra ho andrareo ho:''Misy devoly izy.'34Gny Zanak'olo avy nihina vo nino , dra ho andrareo ho:''Hatio , fa tia-hany vo mpino Izy, naman'ereo mpamory hetra vo mpanota!''35Fa gny fahendre dra voamary amy zanany aby.''36Dra gny raiky tamin'ereo Fariseo nanasa an'i Josesy hisakafo miaraky taminazy. Dra gny fa baka nilisy tao an-tragnon'gny Fariseo Jesosy, dra nipetraky hihina teo amy latabasy.37Indro, nisy ampela tao an-tana ze mpanota. Dra gny fa nahasikarisy izy fa nipetraky teo amin'gny latabasy tao an-tragnon'gny Fariseo Izy, dra ninday tavoara alabastara feno menaky magnisy izy.38Dra raha nisanga tafarany mariny teo gny tombony izy,dra nitomagny , dra nanombiky nandeha gny tombony tamin'gny ranomasony, dra nifafany tamin'gny volo-dohany reo sady nagnoroky gny tombony dra nagnososy reo tamin'gny menaky magnisy.39Gny fa nahita anizay gny Fariseo nanasa an'i Jesosy , dra nieriserisy, nizaka hô:''Raha mpminany ita lelahy itam dra tokony ho fatany hô karaza ampela manao akory io mikitiky Anazy io, fa mpanota io.''40Jesosy namaly dra nizaka taminazy hô:''Simona, misy raha ho zakako aminao.''Hô izy ho:''Zakao zay, Mpampianasy o !''41Jesosy nizaka hô:''Nisy mpampi-bola nana mpitrosa rô lahy. Gny raiky dra tokony andoa dima-zato denaria, gny raiky dimam-polo.42Gny fa sy afaky nandoa anizay taminazy ereo, dra samy nangany izy rô lahy. Noho zay , iza amin'ereo rô lahy gny ho tia Anazy koa?''43Simona namaly Anazy dra nizaka hô:''Heveriko fa gny namoizany be.''Dra hô Jesosy taminazy hô:''Mary gny fisaranao.''44Dra Jesosy nitoliky tagny ami'gny ampela dra nizaka tamin'i Simona ho:''Hitanao io ampela io. Nilisy tato an-tragnonao Zaho. Sy nagnome rano hanasa gny tombony anao,fa izy nahakosa gny tombony tamin'gny ranomasony dra namafa anazy reo tamy volon-dohany. 45Sy nagnoroky Anahy anao, fa hatr'izay nilirako tato dra sy nizano nagnoriky gny tombony izy.46Sy nosoranao dililo gny lohako, fa izy nagnososy gny tombony tamin'gny menaky magnisy .47Noho zay dra mizaka aminao zaho fa , dre fahotany, ze maro, dra voavela-satria izy be fitiavana . Fa ze nanga keliky, dra tena keliky.''48Dra ho Izy taminazy ho:''Voavela gny fahotanao.''49Reo niara-nipetraky nihina teo dra nanomboky nifampiresaky teo amin'ereo ho:'Iza moa itiho gny dra mamela gny heloky?''50Bak'eo hoy Jesosy tamin-dravehivavy ho:''Gny finoa gny nahavozy anao. Mandeha am-piadana.''
Chapter 8

1Dra tafarany izay dra nanomboky nandeha nitety tanana vovohisy sambihafa Jesosy, nitory vo nizaka gny filazasara nahakasiky gny fazakan'iZagnahary. Nindray yaminazy ireo ro ambin'ny folo lahy, 2Nindray ireo vehivavy sasany izay sitrany tamigny fagnahy rasy vo gny arety: Maria izay nitokavy ho Magdalena, izay fa nanokafa demonia fito; 3Johana, valin'i Koza, izay pitandraharahan'i Heroda, dra Sosona; vo reo maro hafa koa, izay tamigny fanagnan'izy reo, dra nagnome izay nitaliavin'izy reo.4Gny bo nisy vahoaky maro nivory, dra tamy nagnato anazy ereo olo avy tamigny isatana, Dra nanao fagnohara izy ho: 5"Nisy mpaboly niboaky mba hamafy gny tegnany. Raha izy namahery igny, dra voafafy tegny amoron-dala gny ilany dra voahisakisaky izaho, dra lanin'ny voron'ny lagnisy.6Gny ilany koa voafafy tegny amigny vatolampy,dra raha vo nisimoky, dra nalazo izany, satria sy nisy hamandoana.7Vo gn'ilany dra voafafy teo amin'gny raha maragnisy niara-nisiry tamin'gny tegnany dra nialaibe . 8Gn'ilany voafafy tegny amin'gny tany lonaky dra namoa vokasy ze soa lavisy avo zato heny.''Tafaran'i Jesosy nizaka gny raha reo, dra nitoka fatrasy Izy ho:''ze mana-sofy hiteno, ao izy hiteno.''9Nagnontany Anazy gny mpianany gny amy tian'izay fagnohara zay hambara. 10Ho Izy ho:''Gny fahalala gny raha-mivony fazakan'Agnahary dra nome andrareo, fa ho an'gny hafa dra miresaha amy fagnohara Zaho, ba sy ahita ereo dre dra mahita avo, dra sy hahay dre mahare avo.''11Vo zao gny dikan'gny fagnohara:gny tegnany dra gny zakan'Agnahary. 12Gny voafafy tegny amin'gny romon-dala dra reo ze mahare , saiky bak'eo dra avy gny devoly dra mangalaky gny zaka tao am-pony, ba sy hino vo ho voavozy ereo. 13Dra gny teo amin'gny vatolampy koa dra reo ze , gny fa mahare gny zaka dra mandramby anizay amin-kafalia. Nefa sy misy vahany reo; selasela avo gny finoan'ereo, dra amin'gny fotoa fisapa dra lavo ereo.14Reo tegnany voafafy teo amin'gny silo dra gny olo mahare gny zaka, fa gny mandeha amy lalany ereo, dra voagezan'gny faahiana vo gny harena dra gny fahafinaretan'izao fiaigna zao,dra sy hatisy gny tegnany.15Fa gny tegnany voafafy tamin'gny tany soa,dra reo gny ,mahare gny zaka tamin'gny fo mary vo soa, dra ereo mita anazy soa dra namoakasy am-pahareta.16Dram sy misy olo, fa gny nandrehisy jiro,dra manafosy anazy amin'gny lombony dre mametraky anizay ao ambany fandria. Fa dra, mametraky anazy eo amin'gny fanovan-ziro, ba ho hitanolo aby ze milisy gny hazava.17Satria sy misy tako ze sy ho ampahafatary, dre raha mivony ze sy ho fatasy dra hiseho eo amin'gny hazava. 18Koa miteno soa,ze mana, dra bo home beba koa, fa ho an'izay sy mana koa,dre zay heveriny hanany avo dra ho ala aminazy.''19Bak'eo gny reniny vo gny rahalahiny nagnato Anazy, nefa sy afaky nagnariny Anazy nohon'gny vahoaky. 20Nisy nizaka taminazy ho:''Gny reninao vo gny rahalahinao dra misanga ao ambaliky, te hahita anao.''21Fa Jesosy namaly vo nizaka tamin'ereo ho:''Gny reniko vo gny rahalahiko dra gny ze mahare gny zakan'Agnahary vo manao anizay.''22Vo draiky andro dra nandeha an-tsamo kely Izy niaraky tamin'ereo mpianany, dra Izy nizaka tamin'ereo ho:''Andeha isika ho egny andafin'gny farihy.''Dra lasa ereo.23Fa raha nandeha igny ereo avy dra resi-tory Jesosy. Dra nisy tafio-sioky avy teo amy farihy, dra feno rano gny sambo kely , dra nitandindon-doza ereo.24Bak'eo nagneo aminazy dra namoha Anazy gny mpianasin'i Jesosy, nanao ho:''Topo o ! Topo o ! Ho maty isika !''Vo nifoha Izy dra nizaka fatrasy gny sirioky vo gny rano manoza,dra nisahasy reo,dra nisy fitonia teo. 25Vo nizaka tamin'ereo Izy ho:''Eza gny finoandrareo?''Vo natahosy fatrasy ereo. Vo natahosy gny sady gaga avo koa ereo, dra nifampagnontany ho:''Iza moa io,gny mandidy dre gny sioky vo gny rano avo,dra magneky Anazy reo?''26Ereo dra nihazo gny farisin'i Gerasena,ze tandrifin'gny farihin'i Galilea.27Vo gny fa niakasy hagnegny an-tanety Jesosy, dra nifakatozy tamin'gny lelahy raiky avy lahatao an-tana ze nisy devoly. Vo fa ela izy gny sy niakazo, dra sy nipetraky tao an-tragno fa tegny amin'gny lolo.28Gny fa nahita an'i Jesosy izy,dra nihiaky fatrasy vo nandohaliky teo agnoloany dra nizaka tamin'gny feo fatrasy ho:''Ino gny indresanao aminahy,ry Jesosy, zanak'Agnahary Avo indrindra o? Miangavy Anao zaho, ka mampizaly anahy.''29Fa Jesosy nandidy gny fagnahy maloto hiala tao amin'gny lelahy. Fa nandrisy gny fotoa maro gny nagnalaibe anazy zay,ka dra nifehiny tamin'gny ravaky vo gadra vy dra nambenana avo izy dra nitorotorony gny ravany dra nandesiny devoly tagny agnefisy izy.30Jesosy nagnontany anazy ho:''Iza gny Agnaranao? Vo ho izy ho:''Legiona,'' fa maro gny devoly ze fa nilisy tao aminazy. 31Ereo niangavy Anazy hatragny ba sy handefa anazy ho agny amin'gny lavaky sy hita resy.32Vo nisy andia-koso maro nihina mariny teo havoa. Ka niangavy Anazy gny devoly ba hagnenga anazy reo ho ao amin'ereo, ka nagnenga anazy Izy.33Koa niboaky tao amin'gny lelahy tao amin'gny lelahy gny devoly dra nifindra tao amin'ireo koso,dra nitratrevatreva tagny amy hasana nagnao amin'gny farihy gny andia-koso dra maty.34Dra nohon'gny nahita gny raha nisy reo mpiamby gny koso, dra nilomalomay dra nizaka anizay tao an-tana vo tagny an-tanimboly .35Noho zay dra niboaky gny mpony tao an-tana ba hagnety gny raha nisy , vo nagnato an'i Jesosy ereodra nahita gny lelahy ze niboahan'gny devoly. Dra izy nipetraky teo an-tombon'i Jesosy, nagnisy vo vory say; dra lasa nataohosy ereo.36Bak'eo reo ze nahita anizay nizaka anazy gny fomba nahasitra gny lelahy nazakan'gny .37Vo gny vahoaky aby teo amy faritanin'i Gerasena dra nangataky an'i Jesosy ba hiala eo amin'ereo, satria heniky gny tahosy fatrasy ereo. Noho anizay dra nandeha asambo kely Izy ba afahan'ereo mihery.38Gny lelahy niboahan'gny devoly dra niangavy taminazy ba hamela anazy handeha hiaraky aminazy, fa Jesosy nandefa anazy , nizaka ho:39'' Miheregna agny an-tragnonao dra magnomeza taminao.''Vo gny lelahy nandeha tamin'gny lalany, dra nagnambara ,anera gny tana aby ze nataon'i Jesosy taminazy.40Dra gny fa nihery Jesosy , dra nandray anazy gny vahoaky, fa ereo dra fa niamby Anazy. 41Indro, nisy lelahy raiky atao ho Jairo, ze raiky tamin'ereo mpitariky tao amin'gny Synagoga, nagnato vo nandohaliky an-tombon'i Jesosy, dra niangavy anazy ba ho agny an-tragnony, 42satria gny zanakapelany teo amin'gny ro ambinifolo tao teo ho eo,dra eo ambavahoanan'gny fahafatesa.Raha nandeha tamin'gny lalany Jesosy, dra niara-nifaneritery nagnodidy Anazy gny vahoaky maro be.43Vo nisy apela raiky teo ze fa nadeha gny lio nandrisy gny ro ambinifolo taona vo fa nandany gny volany aby, [ Fagnamariha: Tahoky manam-pahaiza dra mizarazara hevisy raha tokony ampiliry eto gny fehezateny ho: ''Nandany gny volany aby izy ]vo sy nisy nahasitra anazy dre iza dre iza. 44Vo izy dra nagneo tafaran'i Jesosy dra nikasiky gnt rambin-dambany,dra nisahasy aby bak'agny gny liony.45Jesosy nizaka ho: "Izy gny nikasiky anahy teo?" Iziaby nanda gniziab, dra hoy Petera ho: "Tompo, magnodidy anao avo gny vahoaky iziaby dra manery Anao."46Fa Jesosy nizaka ho: "Nisy nikasiky zaho, satria fatako fa nisy hery niala avy tato aminahy."47Gny hitanigny gnapela fa sy tako izy, dra nanaro izy dra niakohoky teo, amigny. Zinakany teo amson'ny ologny atony nikasihany anazy, vo gny fomba nahasitrany anazy avy bokagny.48Vo izy nizaka taminazy ho: "Vo zanaky apela, gny finoany dra nahasytrana anao. Mandehana am-piadagna."49Bak'eo raha bo nizaka izy,dra nisy olo raiky aby amin'gny tragnon'gny mpitariky synagoga, nanao ho:''Maty gny zanakao ampela. Ka manahira gny mpampianasy sasy.''50Fa gny nahare anizay Jesosy, dra namaly an'i Jairp Izy ho:''Ka matahosy ; minoa avo koa,dra ho sitrany izy.''51Gny fa nagnao an-tragno Izy, dra sy namela dre dra olo raiky avo hiara-hilisy aminazy akoasin'i Petera vo Jaona vo Jakoba, vo gny ran'gny zaza dra gny reniny. 52Dra gny aby dra nisaona vo nitomagny anazy,53Fa Izy nizaka ho:''Ka mitomagny; sy maty izy fa mandry.''Dra nihimehy Anazy ereo, satria fatasy fa maty gny zaza ampela.54Fa nirambesiny tamin'gny tagna izy dra nitoka fatrasy , nizaka ho:''Anaky, misangana!''55Dra nihery gny fagnahiny, dra nihazary laha teo izy. Dra nibaiko anazy reo Izy ba hagnome hany ho anazy. 56Dra gaga gny Ray aman-dreniny, fa Izy koa nandrara anazy reo ba sy hizaka dre amin'iza dre iza gny raha ze nisy.
Chapter 9

1Nitoka gny ro ambinifolo lahy Izy dra nagnome anazy reo gny hery vo fahefana amin'ereo devoly aby dra hagnasita gny arety.2Nalefany ereo hitory gny fazakan'Agnahary vo hagnasitra gny marary.3Ho Izy tamin'ereo ho:''Ka minday dre ino dre ino amy liandrareo sy misy tehina, sy misy kitapom-basy,sy misy mofo,sy misy vola,dra sy misy akazo fagnapiny. 4Ze tragno ilindrareo, dra mizano ao mandra-pialandrareo.5Dre eza dre eza sy handraisan'ereo andrareo, gny fa miriosy zay tana zay andrareo,dra ahisagno hiala amin'gny tombondrareo gny botany ba fizoroa vavolombelo anohera anazy reo.'' 6Bak'eo dra lasa ereo dra namakivaky gny tana, nitory gny filazasara vo nagnasitra tegny aby.7Dra ren'i Eroda mpanapaky avo koa reo ze nisy aby, dra levo hevisy izy, satria voalazan'gn'ilany fa Jaona mpanao batisa dra nisanga tamin'gny maty, 8Dra voalaza fa niseho Elia,dra gn'ilany koa mizaka fa raiky tamin'ereo mpaminany fahiny gny nisanga tamin'gny maty.9Hoy Eroda hô:''Zaho gny nanapa-doha an'i Jaona, koa iza draiky ze olo andregnesako raha tahaky anizay?''Dra niezaky gny ahita Anazy izy.10Gny fa nihery reo apostoly, dra nitata taminazy gny raha aby vitan'ereo . Laha teo nandesiny niaraky taminazy ereo,dra nandeha nitoka ho amy tana tokavy hô Betsaida.11Fa vao nahare gny momba anizay gny vahoaky, dra nagnaraky anazy reo gny momban'gny fazakan'Agnahary,dra nagnasitra gny ze nila fagnasitrana Izy.12Vo gny fa ho hariva gny andro, dra nagnato anazy ereo ro ambin'ny folodra nizaka ho: "Alefaso andeha reo vahoaky ba afahan'izy ereo mandeha agny amin'ereo tana manodidy vo ambanivohisy ba hahita fandria vo sakafo,satria atiky amigny tany sihisy sika."13Fa ho izy tamin'izy reo ho: "Omedrareo raha ho hany izy ereo."Vo nizaka ereo ho: "Sy mana mihoasy noho nignymofo dimy vo fia ro izahay _ raha sy ho mandeha izahay vo mivily hany ho an'ereo olo naby ereo."14(Teo dra nisy teo amigny lelahy dimy arivo teo ho eo). Vo nizaka tamin' ereo mpianany Izy ho: "apetraho ho vondro dimampolo isan'isany izy ereo."15Ko dra nanao izaho ereo, dra napipetraky ereo vahoaky.16Nalako reo mofo dimy vo fia ro, dra niandra gny lagnisy izy, nisaotra ereo dra nizarazarany, dra nagnome ereo mpianasy zao ba ho tolora ereo vahoaky.17Nihina izy aby dra afa-po, dra navory ereo sisa sy lany _ nisy potipotiny ro amdimy folo taty.18Vo Gnifa nivavaky manoka Jesosy, dra niaraky tamin'ereo mpianasy. Dra nagnotany anazy ereo Izy, nanao ho: "ataon'ereo vahoaky ho izy moa zaho?"19Namaly izy ereo ho: "Jaona mpanao batisa. Fa ereo ilany ho Elia, vo ereo ilany mizaka fa nisanga tamigny maty gny raiky tamin'ereo mpaminany fahiny."20Vo nizaka tamin'azy ereo Izy ho : "Fa ataonao ho izy moa zaho?" Namaly Petera ho: "Gny kristin'andriamanitra.''22Nanao ho: " Gny Zanak'olo dra sy maisy hizano amigny raha maro vo ho nandagnan'ereo loholo vo lohan'ny mpisoro dra ereo mpanora-dalana, ho vono Izy dra amigny andro fahatelo dra hasangany."23Dra ho Izy tamin'ereo aby ho:''Raha misy te hagnaraky anahy,dra sy maisy manda gny zakany izy vo minday gny hazofizaliany isan'andro vo magnaraky Anahy.24Dre iza dre iza te hagnavosy gny ainy dra hagnary anizay,fa dre ina dre ina magnary gny ainy noho gny fitiava Anahy dra hagnavosy zay.25Ino gny soa azon'gny olo amin'gny fanagna zao totolo zao, kanefa magnary dre mamotiky gny ainy?26Fa dre iza dre iza megnasy gny aminahy vo gny zakako, dra ho megnasy anazy koa gny Zanak'olo gny fa amin'gny voninahiny, vo gny voninahisy gny ra vo gny azely masy Izy. 27Fa zakako mary amindrareo,fa gn'ilany amin'ereo ze misanga eto dra sy hahita fahafatesa mialohan'gny ahitany gny fazakan'Agnahary.''28Dra valo andro teo ho eo tafaran'gny nizakan'i Jesosy gny zaka reo,dra nandesiny niaraky taminazy Petera vo Jaona dra Jakoba dra niakasy gny loham-bohisy hivavaky. 29Raha nivavaky igny Izy,dra niova gny endriky gny tarehiny,dra nivaliky fosy mazelazelasy gny akazony.30Indro,nisy ro lahy niresaky taminazy, Mosesy vo Elisa, 31ze niseho tamim-boninahisy mamirapirasy. Niresaky momba gny filany Izy,ze ho andesiny ho taterahy agny Jerosalema.32Vo Petera vo gny ze niaraky taminazy dra navesatrin'gny torimaso,fa gny tena taisy tateraky ereo,dra nahita gny voninahiny vo gny lelahy ro ze nisanga niaraky taminazy.33Vo gny fa niala nagnalavisy an'i Jesosy ereo,dra ho Petera taminazy ho:''Topo, soa amisika gny mizano eto. Angao zahay hagnamboasy fialofa telo,raiky ho Anao,raiky ho an'i Mosesy, dra raiky ho an'i Elia.''( Sy fatany ze nizakany.)34Teo am-pizakany zay izy,dra nisy raho avy nanarona anazy reo,dra natahosy ereo gny fa nilisy tao amin'gny rahona.35Nisy feo niboaky laha tagny amy rahona, nanao ho:''Itiho gny Zanadahiko ,gny raiky ze voafily; tenoy Izy.''36Gny fa nizaka gny feo,dra Jesosy raiky gny hita teo. Nita gny fahanginany ereo vo sy nizaka tamin'iza dre iza tamin'izay andro zay gny momba ze hitan'ereo.37Vo gny andro magnaraky an'io, gny fa nilisy laha tagny an-dohambohisy ereo,dra vahoaky maro nifakatozy taminazy. 38Indro, nisy lelahy raiky laha tao amin'gny vahoaky gny nihiaky fatrasy ,nanao ho:''Ry mpampianasy o, mitalaho aminao zaho ba hagnety itiho zanadahiko itiho,fa zanako toka izy.39Hitanao, misy fagnahy mibaiko anazy dra mihiaky tapokyizy; mampifanitoa anazy zay dra mampamoaky roasy gny vavany. Sy miala aminazy zay vo mahatorovana tateraky anazy. 40Nitalaho tamin'ereo mpianasinao zaho ba hangalaky anizay, fa sy afak'ereo.''41Namaly Jesosy dra nanao ho:''Andrareo sy mpino vo taranaky rasy fandesa-vata, hafiriana gny sy maisy hipetrarako miaraky amindrareo vo hiaretako miaraky amindrareo? Andeso etiho gny zanakao lahy.''42Gny fa nagnato gny zaza lahy, dra natoran'gny devoly tamin'gny tany izy dra nampihinjitsinjitra anazy. Fa Jesosy nizaka fatrasy gny fagnahy maloto vo nagnasitra gny zaza lahy, dra namery anazy tagny amin'gny rany.43Dra bak'eo kamo avo koa izy aby nahita gny halaiben'Agnahary. Raha gaga tamin'gny raha-iaby nataony igny ereo,dra ho Izy tamin'gny mpianany ho:44''Angao zaka tahoky ho avy laliky ao asofindrareo:gny Zanak'olo dra ho valiha ho eo an-tagnan'olo.''45Fa sy azon'ereo zay fagnambara zay. Zay gny nahazany tamin'ereo,noho zay dra sy azon'ereo gny dikan'izay, dra bo natahosy ereo gny hagnontany gny momba anizay fagnambara anizay.46Vo bak'eo dra nisy fifandira nanom-boky teo amin'ereo gny amin'izay ho lahibe indrindra amin'ereo.47Fa Jesosy, nahafatara gny fihevisy tagny am-pon'ereo, dra nangalaky zazamasaiky raiky dra napetrany teo agn'ilany 48dra nizaka tamin'ereo ho:''Fa dre iza mandray itiho zaza itiho amy gny agnarako ,dra mandray Anahy; vo dre iza dre iza nagniraky Anahy. Fa ze masaiky be amindrareo aby gny lahibe.''49Jaona namaly ho:''Topo o,nahita olo raiky zahay nangalaky devoly tamin'gny agnaranao dra nisakananay izy, satria izy sy magnara-dia miaraky aminay.''50''Ka rara izy,'ho Jesosy , ''satria ze sy manohisy andrareo dra momba andrareo.''51Gny fa nagneky gny andro ampiakara Anazy,dra niatriky ho agny Jerosalema Izy. 52Nanefa mpinday hafasy Izy hialoha Anazy,vo nandeha ereo ka nilisy tao amin'gny tana Samarita raiky ba hagnoma gny raha aby ho Anazy. 53Fa gny vahoaky tao sy nandray Anazy, satria nitoliky ho agny Jerosalema Izy.54Gny fa nahita anizay Jakoba vo Jaona mpianasy,dra ho ereo ho:''Topoko, tianao se zahay raha handefa afo milasaky agny an-dagnisy ba hamotiky anazy anireo?''55Fa nitoliky Izy dra nizaka fatrasy tamin'ereo,56vo lasa tagny amin'gny tana hafa ereo.57Vo gny fa nandeha tegny an-dala izy reo,dra nisy olo raiky nanao taminazy ho:''Hagnaraky Anao zaho dre iza dre iza andehanano.''58Jesosy nizaka taminazy ho:''Gny amboahaolo manan-davaky,vo reo voro egny an-dagnisy dra mana gny akaniny,fa gny Zanak'olo sy mana toera asiana gny lohany.''59Dra ho Izy tamin'gny hafa ho:''Magnaraha Anahy.''Fa ho izy ho: ''Topoko, angao zaho aloha handeha handevy gny rako.''60Fa ho Izy taminazy ho:''Angao gny maty handevy gny maty ao aminazy. Fa ho anao, mandehana dra mitoria agny lavisy agny dra hitaro gny fazakan'Agnahary.''61 Vo nisy olo hafa nanao ho:''Hagnaraky Anao Zaho, Topo,fa angao zaho aloha hanao veloma gny agny an-tragno.''62Jesosy namaly anazy ho:''Sy misy olo mita fangaly dra mihery dra mendriky ho ao amin'gny fazakan'Agnahary.''
Chapter 10

1Dra tafaran'io raha io,dra nifily fitopolo lahy [ Fagnamariha: Maro amin'ereo fandika taloha soa indrindra gny mivaky ho:''Fitopolo'',Fa gn'ilany mivaky ho:''Ro ambi-fitopolo.''] hafa gny topo,dra nandefa anazy reo siroaroa nialoha Anazy tagny amin'gny tana aby vo toera ze fa handehany. 2Ho Izy tamin'ereo ho:''Be gny vokasy,fa keliky gny mpiasa. Noho zay hangataho gny Topon'gny vokasy ba handefa mpiasa ba ho egny amin'gny vokasy.3Mandehana amin'gny lalandrareo. Hatio, alefako tahaky gny zanakagn'ondry eo agnevon'gny ambodia andrareo. 4Ka minday fipetraram-bola,dre fipetraran'eta, dre kapa,dra ka miarahaba dre iza dre iza egny an-dala.5Iza tragno hilindrareo, zakao aloha ho:'Fiadagna seky ho amin'itiho tragno itiho!' 6Raha misy olon'gny fiadagna ao, dra hitoera aminazy gny fiadagna ze zakandrareo,fa raha sy misy koa,dra hihery amindrareo zay. 7Mitoera ao amin'io tragno io avo, mihinana vo minoma ze omen'ereo,fa gny mpiasa dra mendriky gny karamany. Ka mifindrafindra tragno.8Fa amin'izay tana ilirandrareo, dra mandray andrareo, hano ze aroso eo agnoloandrareo,9dra sitrano gny marary ze ao. Zakao ereo ho:'Fa magneky andrareo gny fakazan'Agnahary.'10Dre ombia dre ombia andrareo gny milisy tana dra sy mandray andrareo ereo, dra mivoaha egny an-dala dra zakao ho:''11Fa dre dra gny botany gny tanandrareo ze mipitiky amin'gny tombonay avo dra ho fafanay hanohisy andrareo! Fataro anefa zao:Fa magneky gny fazakan'Agnahary.'12Zakao amindrareo fa amin'gny andron'gny fisara dra ho az lefery koa gny an'i Sodoma noho gny an'izay tana anizay.13Loza ho anao, ry Korazina! Loza ho anao,ry Betsaida! Fa raha gny asa lahibe ze natao tao aminao gny natao tagny Tyro vo Sidona, dra fa ela ereo gny nibebaky, nipetraky tamin'gny lamba fisaogna vo lavenoky. 14fa ho azo lefery koa gny an'i Tyro vo Sidina amin'gny fisara noho gny amindrareo.15Anao,ry Kapernaomy, mieriserisy se anao fa ho hasandrasy agny an-dagnisy? aha, ho andesy mizoso agny amin'gny Hadesy anao.16 Ze miteno andrareo dra mitenoa Anahy,dra ze manda andrareo dra manda Anahy, vi ze manda Anahy dra manda gny nagniraky Anahy.''17Nihery am-pifalia gny fito-polo. dra nizaka ho:''Topo, dre dra hmy devoly avo dra nagneky anay tamin'gny agnaranao.''18Jesosy nizaka tamin'ereo ho:''Nagnety an'i Satana nilasaky laha tagny an-dagnisy manahakay gny helasy Zaho.''19Hatio, fa nomeko andrareo gny fahefa hagnisaky gny menarana, gny mipozy,dra agn'abon'gny hery fahavalo aby,dra dre ino dre ino dra sy hisy handrasy andrareo amy fomba aby.20Dra dra zay avo dra ka mifaly avo amin'izay, hagneky andrareo gny fagnahy,fa mifalia koa ho voasorasy agny an-dagnisy gny agnarandrareo.''21Tamin'io fotoa io avo dra nifily tokoa tao amin'gny Fanahy Masy izy,vo nizaka ho:''Midera Anao zaho,ry ray, Topon'gny lavisy vo gny tany,fa gny raha navoninao io tamin'gny hendry vo gny mana-say,vo nambara tamin'ereo sy manam-pahalala,manahaky gny zaza madiniky. Egny , Raiko, fa ze gny ankasitraha soa eo amasonao.''22Gny raha-iaby dra nakinin'gny Ray taminahy,vo sy misy mahay ho iza gny Zanaky afa-sy gny Ray, vo sy misy mahay ho iza gny Ray afa-sy gny Zanaky vo ze nisafilian'gny Zanaky haseho Anazy.''23Bak'eo dra niody teo amin'ereo mpianasy Izy dra nizaka mangingiky ho:''Samasy ze mahita gny raha ze hitandrrareo.24Zakako amindrareo, mpaminany vo mpazaka maro gny nagniry ahita ze raha hitandrareo,fa sy hitan'ereo zay,dra aheno gny raha rendrareo,fa sy ren'ereo zay.''25Indro, nisy mpampianasy gny lalan'gny Jiosy raiky nisanga ba hisapa Anazy,dra nizaka ho:''Mpampianasy o , ino gny sy maisy hataoko ba handova gny fiaigna mandrakizay?''26Jesosy nizaka taminazy ho:''Ino gny voazorasy ao amin'gny lalana? Nanao akory gny famakianao zay?''27Nagnome balizaka izy dra nizaka ho:''Tiavo gny Topo Zagnaharinao amin'gny fonao aby, amin'gny fagnahinao aby, amin'gny herinao aby,dra amin'gny fisainanao aby,dra gny namanao tahaky gny vatanao.''28Jesosy nizaka taminazy ho:''Mary gny navalinao. Atovy zay,dra ho velo anao.''29Fa gny mpampianasy , nagniry hagnamary gny zakany,dra nizaka tamin'i Jesosy ho:''Iza gny namako?''30Namaly anazy Jesosy dra nizaka ho:''Nisy lelahy raiky nizoso laha tagny Jerosalema ho agny Jeriko. Izy dra azon'ereo mpandroba, ze nandrava gny fanagna tegny aminazy aby, vo nazera anazy , dra nagnrnga anazy fa ho maty.31Dra sendra nisy mpisoro niriosy tamin'izay lalana zay,dra nony nahita anazy izy,dra nandeha tegny am-pita.32Manahaky anizay koa gny Levita raiky , gny fa niriosy tegny andafiny.33Fa nisy Samaritana raiky , gny fa nandeha tamin'gny nandehanany izy, dra avy teo amin'gny nizy anazy. Gny fa nahita anazy izy ,dra niysetra anazy.34Dra nagnato anazy izy dra namehy gny ratrany,dra nandraraky menaky vo divay tamin'izay. Nampitikiriny gny bibiny izy,dra nandesiny tagny amy tragnom-bahiny, dra nikarakarany. 35Gny maray dra nangalaky denaria ro izy,dra nanolosy anizay tamin'gny mpampianasy. dra nanao ho:''Karakarao izy,dre dra otrino dre otrino laninao mihoasy , gny fa mihery zaho,dra ho havaiko.'36Iza amin'izy telo reo,araky gny eriserisinao,gny naman'gny azon'gny mpandroba?'' 37Namaly gny mpampianasy ho:''Gny raiky ze naneho fiatra anazy.''Jesosy nizaka taminazy ho:''Mandehana dra manova manahaky anizay ko.''38Vo raha niara-nandeha ereo, dra nilisy tao amin'gny tana raiky Izy,vo nisy ampela raiky tokavy ho Marta nampandroso Anazy tao an-tragnony. 39Nana rahavavy atao ho Maria izy,ze nipetraky teo an-tombony gny Topo dra nahare gny zakany.40Fa Marta sahira be tamin'gny fikarakara gny sakafo ho aroso. Nagneo amin'i Jesosy izy,dra nanao ho:''Topo, sy mampagnino Anao se gny nangnangnany rahavaviko anahy hanopo anio?Koa tenoy izy ba hagnapy anahy.''41Fa namaly gny Topo dra nanao taminazy ho:''Marta, Marta, magnahy amy raha maro be anao,42Kanefa raha raiky avo gny tena taliavy. Maria dra nifily ze soa bemze sy ho ala aminazy.''
Chapter 11

1Dra zao gny nisy gny fa nivavaky tao amin'gny toera raiky Jesosy, nisy raiky tamin'ereo mpianany nizaka taminazy ho:''Topo, ba hampianaro mivavaky zahay manahaky gny nampianaran'i Jaona gny mpianany.''2Hoy Jesosy tamin'ereo ho:''Gny fa mivavaky andrareo dra zakao ho:''Ray o, ho hamasiny seky gny agnaranao. Ho avy seky gny fazakanao.3Omeo anay gny haninay isan'andro. 4Angao gny fahontanay, tahaky gny namenay ze ory taminay. Ka minday anay ho agny amin'gny fakam-pagnahy.''5Jesosy nizaka tamin'ereo ho:''Iza amindrareo gny hana nama,vo handeha ho agny aminazy amin'gny misasakaly, vo hanao aminazy ho:''Ry nama, ba ampindramo mofo telo zaho,6fa misy namako raiky vo avy lavisy,vo sy mana dre ino dre ino haroso anazy zaho.'7Dra mety hamaly anazy gny raiky tao antragno dra hanao ho:'Ka manangnelingnely anahy.'Fa mihily gny vatrangara,vo gny zanako, fa eo ampandrina, miaraky aminahy. Sy afaky misanga zaho hagnome mofo anao.'8Mizaka amindrareo zaho,fa dre dra sy misanga vo magnome mofo andrareo avo izy satria namany andrareo ,dra nohon'gny fikirizandrareo sy misy hegnasy,dra hisanga izy vo hagnome andrareo gny mofo aby ze taliavindrareo.9Bo mizaka amindrareo koa zaho, Mangataha,dra home andrareo zay;mitaliava,dra hahita andrareo;pepeo,dra ho sokafy andrareo.10Fa gny olo aby ze mangataky dra mahazo, vo ze mitalia dra mahita;vo ze olo mipaipaiky, dra ho sokafy.11Iza amindrareo raim-pianakavy reo gny raha mangataky fia gny zanakindrareo, dra hagnome anazy raharaha fa sy fia? [ Fagnamariha:Reo fandika soa be misy vaki-zaka fohy koa,ze arahisika eto. Gny fandika taloha sasany dra misy vaki-zaka lavalava koa, ze hita ao amin'gny Matio 7:9 avo koa:''Raim-pianakavy iza amindrareo , raha mangataky mofo gny zanakindrareo, gny hagnome anazy vato? Na fia,dra hagnome anazy raharaha?''] 12Na raha mangataky atoly izy,dra homendrareo maingoka se izy?13Noho zay,raha andrareo rasy fagnahy aza mahay magnome fagnomeza soa ho an'gny zanakindrareo,dra ohasin'gny nanao akory gny halahiben'gny Fanahy Masy homen'gny randrareo ze agny an-dagnisy ho an'ereo ze mangataky aminazy?''14Dra Jesosy nandroaky devoly moa. Gny fa niboaky gny devoly, dra lasa nahay nizaka nizaka gny lelahy ze moana, dra gaga gny vahoaky. 15Fa gny olo sasany nizaka fa:''Amin'gny alalan'i Belzeboba, ze mpitariky gny devoly, gny androahany devoly.''16Gn'ilany nisapa Anazy dra nitalia famatara laha tagny an-dagnisy taminazy. 17Nefa fatrasin'i Jesosy ze tao asain'ereo dra nizaka tamin'ereo Izy ho:''reo fazaka aby ze mizarazara dra ho rava, dra gny tragno ze mizarazara dra ho robaky.''18Koa raha mialy an-tragno vo devoly nanao akory gny hampaharisy gny fazakany? Fa ho andrareo ho mandroaky devoly amin'gny alalan'i Belzeboba Zaho.19Fa raha mandroaky devoly amin'gny alalan'i Bezeboba dra zaho, amin'gny alalan'iza koa gny androahan'gny mpagnara-lia andrareo anazy? Noho zay,dra ereo gny hisara andrareo. 20Fa raha mandroaky gny devoly amin'gny alalan'gny rasa-tagnan'Agnahary Zaho, dra avy amindrareo gny fazakan'Agnahary.21Gny fa apy fitova soa gny lelahy mahery raiky miamby gny tragnony,dra voaaro gny hareny,22vnefa koa raha mahery noho izy gny lelahy raiky dra mandresy anazy, dra alan'gny lelahy mahery koa amin'gny lelahy gny fialia,dra ho robainy gny fanagnan'gny lelahy. 23Ze sy miaraky aminahy dra manohisy Anahy,dra ze sy miango miaraky aminahy dra misaraky.24Gny fa miala amin'olo raiky gny fanahy rasy,dra lasa izy mamakivaky toera sy misy rano dra mitalia fisahara. Dra gny fa sy mihita, dra ho izy ho:''Andeha hihery agny amin'gny tragno niaviako zaho.'25Gny fa tafahery,izy dra mahita anizay tragno zay voalio vo voalamy .26Bak'eo dra lasa izy dra mangalaky fagnahy hafa rasy mihoasy gny vatany miisa fito miaraky aminazy izy dra milisy ba hitoera ao izy aby. Ka rasy koa noho gny volohany fiafaran'gny olo zay.''27Dra vraha nizaka gny raha reo Izy,dra nisy apela raiky nanandrasy gny feony tao agnaty vahoaky dra nanao taminazy ho:''Sambasy gny trony ze niteraky Anao vo gny nono ze ninonoanao.''28Fa hoy koa Izy ho:''Sambasy, koa aza, gny ze miteno gny zakan'Agnahary zay.''29Dra raha bo mitombo gny vahoaky,dra nanomboky nizaka Jesosy ho:''Itiho taranaky itiho dra taranaky rasy. Mitalia famatara izy,nefa sy hisy famatara aseho anazy afa-sy gny famataran'i Jona. 30Fa tahaky gny nahavy an'i Jona ho famatara tamin'ereo Ninivita, manahaky anizay koa dra ho famatara gny Zanak'olo amin'itiho taranaky itiho.31Gny Pazaka apelan'gny Asimo dra hisanga amin'gny fisara miaraky amin'ereo lelahy amin'itiho taranaky itiho dra hagnameloky anazy reo, fa avy laha tagny amy faran'gny tany izy ba hiteno gny fagendren'i Solomona,vo indro, eto gny olo lahibe noho Solomona.32Gny lelahin'i Ninive dra hiara hisanga amin'itiho taranaky itiho amin'gny fisara vo hagnameloky anazy,satria nibebaky tamin'gny nitorian'i Jona ereo,vo indro, misy olo lahibe noho Jona eto.33Sy misy olo raiky,raha baka nandrehisy ziro,dra mametraky anizay amin'gny toera tako dre ao ambanin'gny haro,fa atao eo amin'gny fipetrara-jiro, ba ho hitan'izay milisy gny hazava. 34Gny masonao gny jiron'gny vata. Gny fa soa gny masonao, dra rakoky hazava gny vatany aby. Fa raha rasy koa gny mosonaomdra feno hezy gny vatanao.35Noho zay,Mitandrema andrareo ba sy ho mezy gny hazava ao amindrareo. 36Dra , raha feno hazava vo gny vatanao aby, dra sy misy ampahan'izay ao agnaty hezy , dra ho tahaky gny jiro ze mampamirasy gny hazavany eo aminao gny vatanao manotolo.37Gny fa vita gny resaky,dra nisy Fariseo nanasa anazy hiara-hisakafo aminazy agny antragnony,dra nilisy Jesosy dra nipetraky. 38Gaga gny fariseo fa sy nisasa aloha Jesosy alohan'gny hihina.39Fa ho gny Topo Taminazy ho:''Amizao, andrareo Fariseo, dra magnalio gny ambalikin'gny kaopy vo gny finga nefa gny ao agnatindrareo dra feno rombaky vo faharasia.''40Andrareo gny kely say! Sy nanao ze ao agnatiny avo koa se ze nanao gny ambaliky? 41Omeo gny mazaly ze ao agnatiny,dra ho malio ho andrareo avo koa gny raha aby.42Fa loza ho andrareo ry Fariseo,satria mandoa gny ampahafolon'gny solila vo gny rota vo gny hazo hafa egny an-tanimboly andrareo,nefa sy nidareandrareo gny fahamarigna vo gny fitiavan'Agnahary. Taliavy gny manao gny mary vo mitia an'Agnahary, gny sady sy magnalio gny manao gny raha hafa avo koa.43Loza ho andrareo ry Fariseo,fa tiandrareo gny toera volohany egny amin'gny Synagoga vo gny fiarahaba feno fagnaza andrareo egny asena.44Loza ho andrareo,fa andrareo dra tahaky gny lolo sy misy famatara ze hisahin'gny olo fa sy fatany zay.45Gny raiky tamin'ereo mpampianasy lalana nizaka taminazy ho:''Mpampianasy o, ze zakanao zay dra manirasira anay koa.''46Jesosy nizaka ho:''Loza ho andrareo, ry mpampiana-dalana! Fa mampanday eta-mavesasy vo zakan'olo andrareo, nefa sy mikasiky ze eta-mavesasy ze akory dre dra gny rasa-tagnadrareo raiky avo.47Loza ho andrareo, satria magnory lolo ho an'ereo mpaminany andrareo, nefa gny razambendrareo gny namono anazy reo.48Koa vavolombelo vo magneky gny asan'gny razandrareo andrareo,fa namono anazy tokoa ereo dra andrareo gny magnory gny lolo.49Noho zay avo koa ,gny nagnambaran'gny fahendren'Agnahary ho:'Handefa mpaminany vo apostoly amin'ereo Zaho,vo ereo hamono vo hagneziky gn'ilany amin'ereo.''50Itiho taranaky itihomzay, gny mpaminany aby nilasaky hatramin'gny naharian'izao totolo zao,51nanomboky teo amy lion'i Abela dra hatramin'gny lion'i Zakaria, ze navonony agnelagnelan'gny alitara vo gny fitoera masy. Egny, zakao masy amindrareo, fa itiho taranaky itiho gny ho topon'atoky.52Loza ho andrareo ry mpampianasy gny lalan'gny Jiosy, satria nalandrareo gny fagnalahilin'gny fahalala;sy milisy ao gny zakandrareo,dra sakanandrareo gny ze milisy.''53Tafaran'gny nialan'i Jesosy teo,dra nanohisy Anazhy gny mpanora-dalana vo gny Fariseo vo nialy hevisy taminazy mahakasiky gny raha maro,54sady niezaky gny hamandry Anazy tamin'gny zaka avo.
Chapter 12

1Tamin'izay, gny nindri-nivavaky gny vahoaky agnarivony maro, maro loasy hany farany dra nifagnisa-kitro ereo, volohany vatany dra nanomboky nizaka tamin'ereo pianany izy ho:'' tandremo gnymasirasiran'ireo Fariseo, izay fisarambelasihy.2Sy misy tokony izay sy haseho, dra sy misy mivony izay sy ho fatasy. 3Dra na ino na ino nizakandrareo tao amigny mezy dra ho re ao amigny fahazava, dra izay nizakandrareo teo asofy tao agnaty afitragno dra hozaka egny atapo-tragno.4Mizaka aminadrareo zaho ry namako. ka matahosy ireo izay mamono gny tegna, dra afaran'izay dra sy misy na ino na ino azony atao sasy. 5Fa hapitandry andrareo zaho gny amigny hatahora. Matahosy gny raiky izay, izay gny avy mamono, dra manana gny fahefany gny hagnary agny amigny helo.Egny, mizaka amindrareo zaho,matahosy anazy.6Sy avily farasa masaisaiky ro se gny sisina dimy? kanefa sy misy raiky amin'ereo izay haligno eo amason'i Zagnahary. 7Fa gny volon-doharareo aza dra voaisaky aby koa. Ka matahosy. fa manalaza mihoasy nohon'ny sisina maro handrareo.8Hoy zaho aminadrareo, izay aby magneky anahy eo agnatrehan'ny olo, gny zanak'olo avo koa dra hagneky anazy eo agnatrehan'ereo azelin'i Zagnahary, 9Fa izay manda anahy eo agnatrehan'ereo azelin'i Zagnahary. 10Izay aby mizaka manohisy gny zanak'olo, dra ho anga aminazy izay, fa izay aby mizaka rasy manohisy gny fagnahy masy koa, dra sy ho veavela izay.11Gny fa minday andrareo eo agnatrehan'i Synagoga, reo panapaky, vo reo mana-pahefana izy reo, dra ka magnahy gny amin'izay ho fomba fizakandrareo ho fiarova-tegna, na izay ho zakandrareo, 12Satria gny fagnahy masy gny hapianasy andrareo izay tokony ho zakandrareo amin'izay ora izay.''13Avy eo nisy olo raiky avy tao amin'ireo vahoaky nizaka taminazy ho:''ry papianasy, zakao gny rahalahiko ba hizara gny lova aminahy.'' 14Jesosy nizaka taminahy ho:'' ralelahy, iza gny nanao anahy ho pisara na pagnelagnela andrareo?'' 15Hoy izy tamin'izy reo ho:'' Miambena ba hihazognandrareo gny tegnandrareo lavisy ireo tagniria-drasy aby, satria gny fiaignan'olo raiky sy miaky amigny fitobaky gny fanagnany.''16Avy eo Jesosy nanao fagnohara raiky tamin'ereo, nanao ho:'' namohasy be gny sahan'ny lelahy panakarena raiky, 17Dra nagnotany tegna izy, nizaka ho:'' ino gny ho ataoko, fa sy manana toera hitehiriza ireo vokasy zaho?'' 18Hoy izy ho:'' izao gny ho ataoko. Hazerako ireo tragno fitoerambokasy dra hananga lahibe kokoa zaho, dra ao amin'ereo gny hagnorognako gny voako vo reo vokasy hafa. 19Dra hizaka amigny fagnahiko zaho ho:' ry fagnahy, hanao dra manana vokasy maro voatahiry ho amigny tao maro. Misahara soa, mihinana, misaotra, mifalia.'''20Fa Zagnahary nizaka taminazy ho:'' ralelahy mola. androany hariva gny fagnahinao gny hala aminao, dra ireo raha izay namagninao, ho an'iza reo?'' 21Izay gny olo izay manango harena ho an'ny tegnany dra sy manakarena manoloana an'i Zagnahary.''22Jesosy nizaka tamin'ereo pianany ho:'' noho izay dra zakako amindrareo, aza magnahy gny amigny aindrareo-izay ho hinindrareo, na gny momban'ny tegnandrareo izay ho tafindrareo . 23Fa gny aina dra mihoasy noho gny sakafo, dra gny tegna koa mihoasy noho reo fitafia.24Hevero gny koaky, sy mamafy ireo na miziza.Sy manana fitoboham-bokasy ireo na tragno fitehiriza, kanefa omen'iZagnahary hanina avo, Manahaky gny akory gny fihoarandrareo laza mihoasy noho reo voro! 25Iza amindrareo gny afaky magnapy hakiho raiky gny andro iegnany amigny fagnahia? 26Koa gny izay raha kasaisaiky indrindra izay aza sy handrareo atao, akory handrareo gny miahiahi gny amigny sisa?27Hevero reo lilia-manao akory gny fagniriny.Sy miasa izy ireo, na mamoly. Kanefa zakako amindrareo, na Solomona tamigny voninahiny manotolo aza sy nitafy manahaky gny raiky tamin'ereo. 28GNy tafin'i Zagnahary manahaky izay ireo ahisy egny agnaisy, izay eo androany, dra gny maraindray dra aria agnaty fatana, manahaky gny akory gny hanafiany andrareo mihoasy lavisy noho izay, handrareo ry masaisaiky finoanao!29Ka mitalia izay ho hanindrareo vo izay honomindrareo, dra ka miahiahy. 30Fa ireo ferenena aby eto amin'izao totolo izao ireo dra mitalia ireo raha aby, dra fatasy gny babandrareo fa mitalia ireo handrareo.31Fa kasaho gny fazakany, dra hagnome ho fagnapiny ho andrareo aby gny raha ireo.
33Avilio ireo fagnanarandrareo dra omeo gny mahatra. Manova fitoboha-vola ho an'ny tegnandrareo izay sy mety ho holavoharena agny an-dagnisy izay sy mety lany, izay sy misy kalalao manola. 34Fa agny amin'izay hitobohan'ny harendrareo, dra ho agny avo koa gny fondrareo.35Aoka gny akazo lavandrareo ho hagnisiandrareo, dra aoka gny zirondrareo hirehisy hatragny, 36DRa manova manahaky reo olo izay mandigny reo topony hihery avy amigny lanognam-papakara-valy, ba gny avy izy dra mandondona, dra ho afaky hanokaky gny vatrangara hon'azy avy hatragny ereo.37Sambasy reo panopo, izay hitan'ny topony fa niamby gny avy izy. Zakako marina amindrareo, fa hisiky gny lamba lavany amigny valahany izy, dra hapipetraky anazy reo an-databasy, dra ho avy izy hanopo anazy reo. 38GNy ho avy amigny ora faharo amigny hariva gny tompo, na amigny ora fahatelo aza, dra mahita anazy reo vonona, dra ho sambasy ireo panopo ireo.39Ho fagnapin'izay dra fataro izao, fa gny fatasy gny tompon-tragno gny ora hahavian'ny pangalasy, dra sy hagnenga gny tragnony ho vaky izy. 40Mivognona avo koa, fa sy fatasindrareo gny ora hoavian'ny zanak'olo.''41Petera nizaka ho:'' tompo o, aminay avo se gny izakanao izay fagnohara izay, sa amigny olon'aby avo koa?'' 42Gny tompo nizaka ho:' iza dra gny pitatana vo hendry izay gny tendren'ny tompony vo agnobn'ireo panopony hafa ba hagnome anazy reo gny azara hanin'izy reo amigny fotoa mety? 43Sambasy izay panopo izay. izay hitan'ny topony manao izay aby avy izy. 44Zakako marina amindrareo fa ho tendreny gny fanagnany aby izy.45Fa gny mizaka ao am-pony izay panopo izay ho:''nahemosy gny topony gny fiheregnany, dra manomboky mamono reo panopo lahy vo vavy, dra nihina vo mino, dra lasa mamo.46Gny topon'izay panopo izay dra ho avy amigny andro sy ampiziny, dra amigny ora sy fatany, dra hanapatapaky anazy dra hagnome toera ho anazy mindray amin'ireo sy mahatoky.47Izay panopo izay,nahafatasy gny sitrapon'ny topony, kanefa sy niomana na nanao araky gny sitrapony, dra ho zera amigny fizera maro. 48Fa izay sy nahafatasy dra nanao izay mendrika ahazoa zera koa, dra ho zera amigny fizera masaisaiky. Fa ireo aby izay name be, dra ho be kokoa gno ho taky aminazy, dra reo izay nagneky be, dra ho be lavisy aza gny hangatahy aminazy.49Avy zaho hanoraky afo egny agnabon'ny tany, dra manahaky gny akory gny fagniriako ba hirehetan'izay sahady. 50Fa manana fanova-batisa ba hanova batisa zaho, dra manahaky gny akory gny fahoriako mandra-pahataterak'izay!51MIhevisy seky drareo fa avy zaho ba hinday fiadagna eto an-tany? Sy, Mizaka amindrareo zaho, fa fisaraha aza.52Manomboky izao dra hisy dimy ao amigny tragno raiky izay hisarasaraky olo telo manohisy gny ro, dra olo ro manohisy gny telo. 53Hisaraky izy reo, gny raiky hanohisy gny zanaky lahy, dra gny zanaky lahy hanohisy gny raiky, gny reny hanohisy gny zanaky vavy dra gny zanaky vavy hanohisy gny reny, gny rafozam-bavy hanohisy gny vinatony vavy, dra gny vinato vavy hanohisy gny rafozam-bavy.''54Nizaka tamin'ireo vahoaky koa Jesosy ho:'' gny fa mahita raho miforo egny andrefa handrareo, dra hoy avy hatragny handrareo ho:'' hisy ranon'ora ho avy dra mitranga izay. 55Gny fa misy rivosy misoka avy agny asimo, dra hoy handrareo ho:'' hisy hafana be ho avy, dra mitranga izay. 56Ry pisaravelasihy, handrareo gny mandika gny toetoetry gny tany vo gny lagnisy, fa manaoakory gny sy ahezandrareo mamatasy izao andro amizao izao?57Nanaoakory handrareo gny sy misara izay marina ho an'ny tegnandrareo? 58Fa gny mandeha mindray amigny pifanandry amindrareo eo agnatrehan'ny pisara agnabo handrareo, egny an-dala dra miezaha handamy gny olo mindray aminazy ba sy handehanany handrirosy andrareo eo amigny pisara, dra ba sy hanoloran'ny pisara andrareo sgny smigny pamotosy, dra ba sy handefasan'ny pamotosy andrareo agny apoza. 59Hoy zaho amindrareo, sy ho tafavoaky ao zao handrareo mandra-pandoandrareo gny vola farany izay madiky indrindra.
Chapter 13

1Tamin'izay andro zay,nisy olo sasany teo nizaka taminazy gny momba reo Galiliana ze gny lion'ereo gny nafangaron'i Pilato tamin'gny sorony manoka. 2Namaly Jesosy dra nizaka tamin'ereo ho:''Andrareo se mieriserisy fa gny Galiliana reo dra mpanota mihoasy noho reo Galiliana hafa aby satria nizaly tahaky anizay?3Aha,Zaho mizaka andrareo. Fa raha sy mibebaky andrareo,aby dra ho maty tahaky anizay.4Dre io olo valo ambinifolo tao Siloama ze nilavoany fiangona dra nahafaty anazy reo, mieriserisy se andrareo fa tena mpanota rasy mihoasy noho reo lelahy hafa tao Jerosalema io? 5Aha,ho zaho. Fa andrareo raha sy mibebaky, andrareo aby avo koa dra ho maty.''6Jesosy nanao zao fagnohara zao ho:''Nisy olo nana hazon'Aviavy raiky namboleny teo amy tanim-bolobony vo avt izy dra nagnety tegna-kazo teo aminazy nefa sy nahita dre ino dre ino. 7Gny lelahy dra nizaka tamin'gny mpanao zaridaina ho:'Indro, avy teto zaho nandrisy gny telo taona dra niezaky nitalia tegnany tamin'itiho hazo aviavy itiho kanefa sy nahita mihisy. Tapao io. Nanao akory io gny anga manimba gny tany?'8Namaly gny mpanao zaridaina dra nizaka ho:''Angao ho eo aloha amin'itiho tao itiho mandra-pihaliko magnodidy anazy vo hagnasiako zeziky eo aminazy. 9Raha mamoa izy amin'gny tao magnaraky , soa; fa raha sy zay,dra tapao izy !'''10Dra Jesosy nampianasy tao amin'gny raiky tamin'gny Synagogo nandrisy gny Sabasy.11Indro,nisy apela raiky ze nana gny fanahy rasin'gny fahaleme nandrisy gny valo ambinifolo tao teo, dra izy dra nivokoky dra sy nahavita nijoro soa.12Nony nahita anazy Jesosy, dra nitoka anazy dra nizaka ho:''Rapela,afaky amin'gny fahalemenao anao.''13Napetrany teo aminazy gny tagnany, vo niaraky tamin'izay dra nitraka gny apela dra nihoby an'Agnahary. 14saiky gny mpanapaky gny Synagoga dra ory noho gny fagnasitrana nataon'i Jesosy tamin'gny Sabasy. Noho zay dra namaly gny npanapaky vo nizaka tamin'gny vahoaky ho:''Misy enin'andro ze tokony iasa. Tongava dra sitrana, fa sy amin'gny andro Sabata.''15Gny Topo namaly anazy dra nizaka ho:''Ry mpiasaravelahisy! Moa se sy samy mamaha gny boriky dre gny agn'ombiny ao amin'gny valany andrareo dra minday anazy hino rano amin'gny Sabasy?16Dra manahaky anizay koa itiho zanakapelan'i abrahama, ze voafehin'i Devoly nandriky gny valo ambinifolo tao itiho, sy tokony ba ho vaha se gny fehiny amin'gny andro Sabata?''17Gny nizaka anizay raha aby zay Izy,dra megnasy reo aby ze nanohisy Anazy,fa gny vahoaky raiky manotolo dra faly noho reo raha aby malaza nataony.18Dra Jesosy nizaka ho:''Manahaky gny ino gny fazakan'Agnahary, dra manahaky gny ino gny afaky agnoharako anizay?''19Zay dra manahaky gny voasinapy ze nalany vo nafafin'gny lelahy raiky teo azaridainany, dra lasa hazo lahibe raiky, dra gny voron'gny lagnisy dra nagnamboasy gny tragnony teo amin'ereo rasany.''20Bo nizaka avo Izy ho:''Ino gny afaky hampitahako gny fazakan'Agnahary? 21Zay dra manahaky gny masirasira ze nalan'gny apela raiky dra nafangarony tamin'gny koba intelon'gny famatara mandra-piparitahany ao agnatin'gny koba aby.''22Jesosy dra nandeha nizaka gny tana vo gny vohisy kirairaiky tegny an-dala magnagny Jerosalema vo nampianasy anazy reo.23Nisy raiky nizaka taminazy ho:''Topo, moa se keliky gny olo gny ho voze?''Dra ho izy tamin'ereo ho:'v 24 Mialia gny hilisy gny vatrangara tery andrareo ,satria, zaho mizaka amindrareo, maro gny te-hisofiky, fa sy ho afaky gny hilisy.25Gny fa ndray misanga gny topon-tragno vo magnily gny vatrangara, dra hisanga ao ambaliky eo andrareo dra handondo gny vatrangara vo hizaka ho:''Topo, Topo, apizosoy zahay.'Izy hamaly dra hizaka amindrareo ho:'Sy fatako andrareo dre gny fiaviandrareo.'26Dra hizaka andrareo ho:'Nihina vo nino teo agnoloanao zahay,dra anao fa nampianasy tegny an-dalambenay.'27Fa Izy dra hamaly ho:'Mizaka amindrareo zaho, sy fatako ze fiaviandrareo. Miala eto aminahy, andrareo mpanao rasy !'28Hisy fitomagnia vo fikitroha-nify gny fa indro andrareo mahita an'i Abrahama, Isaka, Jakoba, vo gny mpaminany aby ao amin'gny fazakan'Agnahary, fa ho voaroaky agny ambaliky andrareo. 29Ereo dra ho avy asignana, andrefa, avarasy, dra asimo dra hipetraky eo amin'gny latabasy gny fazakan'Agnahary.30Fatako zao, reo ze sy dra manan-daja gny ho volohany,vo reo ze tena manan-daja gny farany.''31Tafarany kelin'izay , nisy Fariseo sasany avy vo nizaka taminazy ho:''Mandehana hilomesa eto satria Heroda dra te-hamono Anao.''32Jesosy nizaka zakao zay amboahaolo zay ho:
33Dre ino dre ino misanga, raha-lahibe aminahy gny manohy amizao , maray, vo gny andromagnaraky, satria vo azo eke gny famonoa gny mpaminany lavisy an'i Jerosalema.34''Ry Jerosalema , ry Jerosalema , ze mamono gny mpaminany vo mitora-bato reo ze nirahy tagny amindrareo. Ipy zaho gny nagniry gny hanango gny zanakindrareo tahaky gny akoho vavy manangona gny zanany ambany elany, kanefa sy nagniry anizay andrareo. 35Indro,nangany gny tragnondrareo. Izaho dra mizaka amindrareo,sy ho hitanndrareo Zaho ambar-pizakandrareo ho:''Sambasy ze avy amin'gny agnaran'gny Topo.'''
Chapter 14

1Dra Sabata, gny fa nagnao amin'gny tragnon'gny raiky tamin'ereo mpitariky gny fariseo hihina mofo Izy dra nagnara-maso mariny Anazy ereo. 2Indro,teo agnoloany nisy lelahy raiky ze nampizalian'gny edema.3Jesosy nagnontany reo manam-paheza amin'gny lalan'gny Jiosy vo reo Fariseo vo reo Fariseo ho:''Azo atao se gny magnasitra amin'gny andro Sabata,sa aha?''4Fa ereo dra nangina. Noho zay dra nirambesin'i Jesosy izy,dra nisitraniny, dra nalefany handeha.5Ho Izy tamin'ereo ho:''Iza amindrareo ze mana-zanaky lahy na agn'omby tafalasaky agnaty fatsakana amin'gny andro Sabata gny sy hisitina anazy aby hatragny ?''6Ereo dra sy nisy nahavita nagnome valiny an'ereo raha reo.7Gny fa sikirisin'i Jesosy gny fomba fisafilianan'ereo ze nasa gny toeram-bonignahisy, nanao fagnohara izy, nizaka tamin'ereo ho:8'' Gny fa asa amin'gny lagnonam-panambalia andrareo, dra mipetraky eo amin'gny toeram-boninahisy, satria mety nisy olo nasay bo manam-boninahisy noho andrareo. 9Gny fa avy gny olo ze nanasa andrareo,dra hizaka andrareo izy ho:'Omeo an'itiho olo-kafa itiho gny toeranao,'vo am-pahamegnara gny andehanandrareo hamozy gny toera,'dra am-pahamegnara gny andehanandrareo hamozy gny toera ambany indrindra.10Fa gny asa andrareo, mandehana dra mipetraha amin'gny toera ambany indrindra, amin'izay gny fa mandalo eo gny nanasa anao,dra mety hizaka anao izy ho:'Ry nama, miakara amin'gny ambonimbony.'Vo avy eo dra homem-boninahisy andrareo eo anatrehan'ereo ze miray latabasy azy amindrareo.11Da reo ze manandra-tegna dra hahety,dra izy ze manetri-tegna dra hasandrasy.''12Jesosy avo koa dra nizaka tamin'gny lelahy nanasa Anazy ho:''Gny fa magnome sakafo dre fanasa anao,dra ka manasa gny namanao dre gny rahalahinao dre gny anao dre gny mpanakarena magnodidy anao, amin'gny mety hanasany anao koa ho tokalon'izay,dra ho voavaly anao.13Fa gny manao fanasana anao asao gny mahatra, gny kilemay, gny mandringa, dra gny poaky,14dra ho sambasy anao,satria sy afaky hamaly anao ereo.Fa anao dra ho voavaly amin'gny fisanganan'gny bmary.''15Gny fa nahere gny raha reo gny raiky tamin'ereo nindray latabasy tamin'i Jesosy, dra nizaka taminazy izy ho:''Sambasy ze hihina gny mofo ao amin'gny fazakan'Agnahary!''16Fa Jesosy nizaka taminazy ho:''Nisy lelahy raiky nikarakara sakofo lahibe vo nanasa olo maro. 17Gny fa voakarakara gny sakafo, dra nagniraky gny mpanompony izy hizaka an'ereo ze nasay ho:'Mandrosoa, fa gny raha-aby dra fa vonona.''18Izy aby dra nitovy say dra nanomboky nanao fiala-signy. Gny volohany nizaka taminazy ho:'Nivily tanim-boly zaho,dra tokony hiboaky zaho dra hagnety anizay. Miala signy zaho.'19 Raiky hafa nizaka ho:'Nivily agn'omby folo zaho,dra andeha hamatasy anazy reo. Miala signy zaho.' 20Bak'eo nisy lelahy raiky hafa nizaka ho:''Vao avy nampiaka-baly zaho,dra noho zay dra sy afaky ho aby zaho.''21Dra avy gny mpanompo vo nizaka tamin'gny topony reo raha reo . Bak'eo topon-tragno ory dra nizaka tamin'gny mpanompony ho:''mandehana malaky egny amin'ereo lalambe vo sakelidala eto an-tana dra andeso atoho gny mahatra,gny mandringa, gny poaky,vo gny kelemaina.'22Nizaka gny mpanompo ho:''Topa, fa vita ze nobaikonao, fa bo misy toera avo.''23Ho itiho topony tamin'gny mpanompony ho:''Mandehana egny amin'ireo lalambe vo sisim-boly vo tereo ereo ho avy, amin'izay ho feno gny tragnoko.24Fa zakao amindrareo, sy hisy hagnandra gny sakafoko gny lelahy ze nasay.'''25Dra vahoaky maro gny nandeha niaraky taminazy, dra nitoliky Izy dra nizaka anazy reo Ho:''26Raha misy amindrareo magnato Anahy vo sy makahala gny rany, gny reniny, gny valiny. gny zanany, reo rahalahiny vo reo rahavaviny, vo dre gny fiaignany avo, dra sy afaky gny ho ampianasy izy. 27Dre iza dre iza sy milaza gny hazofizaliany dra magnaraky Anahy dra sy afaky gny ho ampianasiko.28Fa iza amindrareo, ze magniry gny hananga tilikambo, gny sy mipetraky aloha dra mikazy gny fandania raha mana ze taliavy hamita anazy izy? 29Raha sy zay, gny fa nametraky gny fotoa izy nefa sy hahavita anizay avo, dra hanomboky handasa anazy reo aby ze mahita anizay,30manao ho:''Io lelahy io gny nanomboky nananga kanefa sy nahavita avo.'31Na koa Pazaka ino,raha handeha hifanehisy amin'gny pazaka hafa amy aly,gny sy hipetraky aloha dra hangalaky raha miaraky amin'gny lelahy raialy dra afaky hialy amy pazaka hafa ze avy manohisy anazy miaraky amin'gny lelahy ro aly? 32raha sy zai, raha bo lavisy gny tafiky hafa,dra mandefa atoko izy dra mangataky fepetra ho amin'gny fihavana.33Ka noho zay,dre iza dre iza amindrareo sy mahafo hanagnany aby dra sy afaky gny ho mpianasy izy.34Soa gny sira, fa raha levo gny siron'gny sira, nanao akory gny hiheregnany hasira ndraiky? 35Sy misy taliavin'gny tany anazy dre dra gny zezi-tany avo. Aria avi zay. zay mana-sofy ho andesi-miteno, ao izy hiteno.''
Chapter 15

1Dra ereo mpamory hetra aby vo gny mpanota dra avy teo amigny Jesosy ba hiteno anazy.2Nifampinononono ereo Fariseo vo ereo mpanora-dalana, nizaka ho: "Io lelahy ho dra manday mpanota, dra miara-mihina amigny ereo avo aza."3Jesosy nanao izahoky ho:
5Dra Iziaby hita izy dra apetrany eo asorony dra mifaly izy.6Iziaby avy ao antragno izy dra tokavy avokoa ereo namany vo ereo mpiaramony amigny mizaka anazy reo ho: 'Mifalia miaraky aminahy, fa hitako gny agnondry levo. 'Dra izaho koa, mizaka amindrareo zaho, fa hisy fifalia agny andagnisy nahanigny mpanota raiky mibebaky, mihoasy naho ereo olo-marina sivy amby sivy folo mila mibebaky.8Dre iza gny apela ze mana farasa kely folo,raha levo gny farantsa raiky, gny sy andrehisy gny jiro, hamafa gny tragno,dra hitalia amim-pahazotoa mandra-pahitany anizay?9Gny fa hitany zay,dra tokavy avo koa reo namany vo reo mpiara-mony aminazy,dra hizaka ho:'Mifalia miaraky aminahy, fa itako gny farantsa kely raiky ze levo.'10Manahaky anizay koa, Zaho mizaka amindrareo, misy fifalia eo anatrehan'gny azelin'Agnahary amin'gny mpanota raiky ze mibebaky.''11Bak'eo Jesosy nizaka ho: "Nisy lelahy raiky nanazanaky ro lahy,12Dra gny faealahy tamin'ereo nizaka tamigny babany izaho tokony ho: 'Ray o, ameo anahy gny azara aby izy takony ho anahy.' Dra nizarany tamin'ereo gny fanagnany13Sy ela tafaranigny, gny faralahy nagnavory gny azarany aby dra nandehatamigny firenena reo lavisy teo, dra tagny izy vo nandrha fahatany ereo harenany aby tamigny fiegna manda.14Dra ereoaby laniny avo gny ereoaby, dra nisy mosary lahibe niela tamin'io, dra nanoboky tao agnatiny sy fahampia izyNandeha izy dra nikarama tamigniraiky tamin'erei mponina tao amin'io firenena iho, ze nandeha anazy tagny amigny ilany ba hamaha koso.16Te hihina fatrasy ereo hany fihaniny koso izy, satria sy nisy olo nagnome anazy vo ino.17Fa gny fa avy say gny faralahy, dra nizaka izy ho:'Firy amin'ereo manompon'gny raiko gny mana hany mihoasy gny sahaza, dra itiho zaho, matin'gny hanohana!18Henganao eto dra ho agny amin'gny raiko zaho,dra zaho hizaka aminazy ho:''Ray o, fa nagnota tamin'gny lagnisy zaho, vo teo amasonao. 19Sy mendriky gny tokony ho zanakao sasy zaho; atovy manahaky gny raiky amin'ereo mpanomponao zaho.''20Noho zay nandeha gny faralahy dra nagnagny amin'gny rany. Raha bo lavisy izy, dra hitan'gny rany, dra tohina nangoraky, dra nilomalomay, dra namihina vo nagnoroky anazy. 21Gny zanadahiny nizaka ho:'Ray o, fa nanota tamin'gny lavisy vo teo amasonao zaho. Sy mendriky gny tokovy ho zanakao zaho.'22Gny raiky nizaka tamin'gny mpanompony ho:Andeso malaky reo akazo soa indrindra, dra ampiakazoy anazy,vo asio perasy gny tagnany, vo kapa gny tombony. 23Bak'eo andeso gny zanakagn'omby matavy ka vonoy zay. Andao isika hakalaza amin'gny lanogna! 24Satria gny zanadahiko dra maty, vo amizao dra hita ndraiky.' Bak'eo dra nanomboky niresaky ereo.25Dra gny lahimatoany dra tagny an-tanimboly. Nony taminazy vo nagnato gny tragno izy,dra nahare mozika vo sizaky. 26Nitoka gny raiky tamin'ereo mpanompo izy dra nagnontany anazy ho mety ho ino zay raha zay. 27Gny mpanompo nizaka taminazy ho:''Nolo ato an-tragno gny rahalahinao dra nivonon'gny randrareo gny zanakagn'omby matavy, satria avy soa ama-sara izy.'28Ory gny lahimatoa, dra sy nety nilisy , dra niboaky gny rany, dra niangavy anazy . 29Saiky namaly gny lahimatoa vo nizaka tamin'gny rany ho:''Hatio , fa an-taonany maro gny nanopoko anao,vo bo sy nandika gny lalanao zaho,vo anao sy bo nagnome dre dra zanak'osy nafahako nikorona niaraky tamin'ereo namako avo,30kanefa gny fa avy gny zanakao lahy,ze nandriasy gny fanagnanao tamin'gny mpivaro-tegna,dra nivononao ho anazy gny zanakagn'omby nafahy.'31Ho gny raiky taminazy ho:'Anaky, anao dra miaraky aminahy avo,zay aby anahy dra anao.32Kanefa rariny ho asika gny mikorana vo mifaly, satria itiho rahalahinao dra maty, dra amizao dra velo ndraiky; levo izy,vo amizao dra hita ndraiky.''
Chapter 16

1Dra hoeza koa Jesosy tamin'ereo mpianany ho: ''Nisy lelahy mpanan-karena ereo nana mpitata, dra nitoniny tagny amigny fa io mpitata io gny nandany gny fanagnany aby.2Dra notoka anazy gny lelehy mpana-karena dra nizaka taminazy ho: 'Ino izaho reko momba anaoizaho? Mgnomeza tatisy momban'ny asa fitatanany, fa hanao sy ho afaky gny ho mpitadri-panagna avo,'3Dra gny mpitadrim-panagna nizaka tagny asainy ho: ''Ino moa gny tokony ataoko, fa magalaky amigny asa andesiko gny tompoko? Sy mana-kery hiasa tany zaho, dra megnasy gny ba hangataky zaho.4Fatako gny ho ataoko, ba iziaby anga amigny asa fitatagnako zaho, dra hampandroso anahy ao an-tragnon'izy ereo gny olo.'5Avy eo gny pita-draharaha nitoka gny kiraikiraiky tamin'ireo pitrosan'ny tompony, dra nagnotany gny volohany izy ho: 'Hotrino gny anany tompoko agny aminao?' 6Nizaka izy ho:' Menaky oliva zasto litatra.' Nizaka tamy nazy ho: ' Takaro gny taratasinao, mipetraha malaky, dra dimapolo soratany.' Dra avy eo gny mpitatana gny zakany tamy gniraiky ho:' Hotrino gny trosanao?' Nizaka ho: 'vary zato famarana.' Nizaka taminazy ho:' Raiso gny taratasinao, dra sorato ho valopolo.'8Bak'eo gny topo dra nidera gny mpitata sy mary satria niasa tamin-kafesena izy. Fa fetsy Koa gny zanak'izao totolo zao gny amin'gny fifagnaraha amin'izy samy olo noho gny zanaky gny fahazava.9Mizaka amindrareo Zaho,mitaliava nama amin'gny alalan'gny vola sy mary,amin'zay gny fa lany zay,dra mety ho rambesin'ereo ao amy fonena mandrakizay andrareo.10Ze mahatoky amin'gny kely indrindra dra mahatoky amin'gny be koa,vo ze sy mary amin'gny masaiky indrindra dra sy mary amin'gny be koa. 11Raha sy mahatoky amy fampiasa vola sy mary andrareo,iza gny hatoky andrareo amin'gny harena mary?12Raha sy mahatoky amy fampiasa gny volan'olo hafa andrareo, iza gny hagnome vola ho andrareo manoka?13Sy misy panopo afaky manopo topo ro,fa dre izy halaiky gny raiky dra ho tia gny raiky,dre koa izy hanolo-tegna ho an'gny raiky dra hanao sinosino gny hafa. Sy afaky manopo an'Agnahary vo gny hanagna andrareo.'''14Dra gny Fariseo,ze tia vola, gny fa nahare zay raha aby zay,dra nagnamavo Anazy ereo.15Nizaka tamin'ereo Izy ho:''Andrareo dra magnamary gny vatandrareo eo amason'olo,fa Zagnahary mahay gny fondrareo. Fa ze hasandrasy eo amin'gny olo dra hakany eo amason'Agnahary.16Gny lalana vo reo paminany dra nisy mandra-piavian'i Jaona. Fa hatramin'izay fotoa zay, gny fa nitoria gny filazasaran'gny fazakan'Agnahary,dra gny kirairaiky dra niezaky nagnisy gny lalany ho amin'izay.17Fa moramora koa gny haharava gny lagnisy vo gny tany noho gny sorosy kely indrindra ao amin'gny lalana ho avy sy mana-kery.18Ze misaraky amin'gny valiny dra mapakasy apela hafa dra mizangazanga,vo ze fa nisara-baly dra mizangazanga.19Dra nisy pagnarivo raiky ze niakazo voloparasy rongony manify dra nagnamamy isan'andro gny harem-beny.20Nisy pangalasy raiky tokavy ho Lazarosy nipetraky teo amy vatrangarany, rakoky fery,21dra nagniry ba hiteno ze lasaky bak'eo agn'abo latabasin'gny lelahy pagnarivo. Fa dre gny aboa avo avy vo nilelasy gny feriny.22Dra indro maty gny pangataky dra nandesin'ireo Azely ho eo agnilan'i Abrahama. Maty avo koa gny pagnarivo dra nalevy,23dra tao amin'gny fahavereza, raha napizaly,dra nanandrasy gny masony izy dra nahita an'i Abrahama tegny alavisy vo Lazarosy teo agnilany.24Koa nihiakiaky fatrasy izy vo nizaka ho:'Abrahama Ray, mamindra fo aminahy dra alefaso Lazarosy, ba handroboahany gny tendron'gny rasan-tagnany ao agnaty rano vo hapangasiasiaky gny lelako,fa ato agnatin'gny fangirifiria fatrasy agnatin'itiho afo itiho zaho.'25Fa Abrahama nizaka ho:'Anaky, sarovy fa tamin'gny androm-piaignanao dra nahazo raha soa anao,vo gny an'i Lazarosy koa araha rasy. Fa amizao izy atiho dra voatambitamby, dra anao ao amin'gny fangirifiria. 26Akoasy zay aby zay,dra nisy hasa lahibe napetraky , ba sy ho afaky hiapita ze te-hisaky laha tegny magnrgny amindrareo,vo sy misy afaky hisaky laha tegny hagnetiho aminay.'27Gny lelahy pagnarivo nizaka ho:'Miangavy anao Zaho,ry Abrahama Ray,ba hagnirahanao anazy ho agny an-tragnon-drako 28fa mana rahalahy dimy zaho ba afahany mapitandry anazy reo, nohon'gny tahosy gny hahavian'ereo atiho amin'itiho toeran'gny fizalia itiho avo koa.''29Fa Abrahama nizaka ho:'Mana an'i Mosesy vo gny paminany ereo;ao ereo hiteno anazy reo.'30Dra namaly gny lelahy pagna-rivo ho:'Aha,ry Abrahama Ray,fa raha misy laha tamin'gny maty magnagny amin'ereo,dra hibebaky ereo.'31Fa Abrahama koa nizaka taminazyho:'Raha sy miteno an'i Mosesy vo reo paminany ereo,dra sy ho resy lahasy mihisy dre misy olo misanga amin'gny maty aza.''
Chapter 17

1Jesosy nizaka tamin'ereo pianany ho:''Azo atoky fa hisy raha afaky hanosiky asika hanota, fa loza ho an'gny olo ze hiavin'izay!2Soa ho anazy koa raha asia vato be eo amin'gny vozony dra atoraky an-dranomasy , manahaky ze hahatafitihy gny raiky amin'ereo madiniky reo.3Mitandrema andrareo. Raha manota gny rahalahindrareo, zakao fatrasy izy,dra raha mibebaky izy, mamela anazy. 4Raha manota aminao impito ao agnatin'gny andro raiky izy,dra impito mihery aminao izy, mizaka ho:''Mibebaky zaho,'dra sy maisy mamela anazy anao!''5Reo apostoly tamin'gny Topo ho:''Ampitomboy gny finoanay.''6Gny Topo nizaka ho:''Raha mana finoa ohasin'gny voasinapy andrareo,dra afaky mizaka amin'io voroihazo io ho:'Miongota, vo magniria agny an-dranomasy,'dra hagneky andrareo izy.7Fa iza amindrareo, gny mana panopo miasa tagny dre miamby agn'ondry,dra hizaka aminazy gny fa avy laha tagny an-tanimboly izy ho:''Avia malaky dra mipetraha ba hihina'? 8Fa sy hizaka se izy ho:'Hikarakaranao raha hohaniko zaho,dra asio fehitroky magnodidy gny akazonao dra manopoa anahy mandrapahalanin'gny haniko vo fisotroako. Dra bak'eo anao mihina vo mino'?9Sy misaotra gny panopo izy satria nanao gny ze nibaikoa anazy izy, sa misaotra se izy? 10Dre dra andrareo koa aza, gny fa nahavita gny raha aby ze nandidia andrareo andrareo,dra tokony hizaka ho:''Zahay dra panopo sy mendriky . Ze tokony nataonay avo gny nataonay.''11Dra raha nandeha ho agny Jerosalema Izy,dra nandeha teo amin'gny sisi-tany teo agnelagnelan'i Samaria vo Galilia. 12Gny fa nilisy tao amin'gny tana raiky izy,dra nisy boka folo lahy nifakatozy taminazy tao. Nisanga lavisy Anazy ereo 13dra nanandrasy abo gny feon'ereo, nizaka ho:''Jesosy, Topo o, mamindra fo aminay.''14Gny fa nahita anazy reo Izy,dra nizaka tamin'ereo ho:''Mandehana dra ampisehoy amin'ireo pisoro gny vatandrareo.''Raha igny lasa igny izy reo dra nalio.15Gny fa nahita gny raiky tamin'ereo fa sitrana izy,dra nihery, niaraky tamin'gny feo abo nakalaza an'gnahary.16Nandohaliky teo atombon'i Jesosy izy, nanolosy fisaora ho Anazy. Izy dra Samaritana.17Dra Jesosy nizaka ho:''Sy fa voalio se izy folo? Fa eza gny sivy?18Sy nisy hafa nihery hagnome voninahisy an'Agnahary se,afa-sy itiho vahiny itiho?''19Dra ho Izy taminazy:''Misangana,dra mandehana. Gny finoanao gny mahasitra anao.''20Raha nagnontanin'ereo Fariseo ho ombia gny fazakan'Agnahary gny ho avy,dra namaly anazy reo Jesosy dra nizaka ho:''Sy hita-maso gny fiavian'gny fazakan'Agnahary. 21Sy hizaka koa izy reo ho:'Hatio, itiho gny izy!'na ho:'Iriho gny izy!'Fa indro,gny fazakan'Agnahary dra ao agnatindrareo.''22Ho Izy tamin'ereo pianasy :''Avy gny andro hagniriandrareo gny hahita gny raiky amin'gny andron'gny Zanak'olo,fa sy hahita anizay andrareo.23Dra ereo dra hizaka amindrareo ho:'Hatia, eryho! Hatio, etiho!'Fa ka miboaky dre magneziky anazy reo,24fa tahaky gny selasy mamirasy mazava gny fa mitarasy laha tagny amin'gny gny raiky,dra manahaky anizay gny Zanak'olo amin'gny androny.25Fa volohany dra sy maisy hizaly amin'gny raha maro Izy vo ho lavin'itiho taranaky itiho.26Tahaky ze nisanga tamin'gny andron'i Noa,gny hiboaany koa amy andron'gny Zanak'olo.. 27Nihina ereo,nino,nanambaly, natolosy ho ampakary, mandrapihavin'gny andro ze niliran'i Noa tao amin'gny sambofiara vo avy gny Safo-drano dra nandringa anazy aby.28Tahaky ze nisy tamin'gny andron'i Lota nihina sady nino ereo, nivily vo nivarosy, namboly vo nanao tragno.29Fa tamin'gny andro ze niboahan'i Loza laha tao Sodoma,dra afo vo solifara gny nilasaky laha tagny an-dagnisy dra nandringa anazy aby.30Dra ohasin'izay koa gny amin'gny andro hiboaany gny Zanak'olo. 31Amin'izay andro zay, ka anga hiboaky hangalaky gny etany ho egny ambaliky gny tragno ze egny amin'gny tapo-tragno;dra la anga hihery ze agny an-tanimboly.32Tadidio gny valin'i Lota.33Dre iza dre iza mitalia hamozy gny ainy dra hahavery anazy, fa dre iza dre iza gny ainy dra hamozy anazy.34Mizaka amindrareo Zaho,fa amin'izay hariva zay dra hisy olo ro eo agn'abony fandria raiky. Gny raiky dra horambesiny, dra gny raiky ho angao.35Dra hisy to vavy miara-mandisa vary. Gny raiky ho rambesy,vo gny raiky ho anga.''36[ Fagnamariha:reo fandika taloha soa indrindra dra manala gny andininy faha 36 ho:''Hisy ro lahy agny an-tanimboly; gny raiky ho rambesy,dra gny raiky ho anga.''] 37Nagnontany Anazy ereo ho:''Eza, Topo?''dra Izy nizaka tamin'ereo ho:''Ze hitoeran'gny maty,dra agny koa gny hisy votoro hiara-miango.''
Chapter 18

1Dra Eo izy nizaka fagnohara tamin'ereo gny momba gny tokony hivavahan'ereo mandrakariva, dra sy ho kivy,2Nizaka ho: "Tao amigny tanana ereo dra nisy mpisara ze sy natahosy an'andriamanitra dra sy nanajaolo.3Dra nisy mpandai-tegna ereo tao amin'io tanana iho, dra izy nagnagny aminazy matetiky, nizaka ho:'Apio zaho ba hahazoako rairiny magnoloa gny fahavaloko.'4Fa hatry gny ela izy gny sy vono gny hagnapy anazy, fa tafarany kelin'izay dra nizaka tamin'gny vatany izy ho:'Dre dra matahosy an'Agnahary avo zaho na sy magnaza olo,5fa koa satria manahira anahy itiho pinday-vaya itiho,dra hagnapy anazy zaho ba hahazoany rariny,ba sy handreraky anahy nohon'gny fiveziveziny lava atiho sasy izy.''6Bak'ereo gny Topo ho:''Tenoy ze ambaran'gny pisara sy mary 7dra sy hinday rariny ho an'izay voafiliny ze mitoka fatrasy Anazy aandro amagn'aly koa se Zagnahary? Hangatak'andro lava amin'ereo se izy? 8Zakako amindrareo fa hinday rariny malaky amin'ereo izy. Manahaky anizay hoa,gny fa avy gny Zakan'olo, hahita finoa etiho an-tany tokoa se Izy?''9Bak'eo koa Izy nizaka zao fagnohara zao tamin'gny sasany ze nahatoky gny vatan'ereo fa ho mary vo ze manevateva gny olo hafa:10''Nisy ro lahy niakasy tao am-piangona ba hivavaku gny raiky dra Fariseo dra gny raiky hafa dra mpamory hetra.''11Gny fariseo nisanga vo novavaky raha tahoky momban'gny vatany tahoky ho:'Zagnahary o, misaotra anao zaho fa sy mitovy aminolo hafa pangalasy ,olo sy mary, pizangazanga tahaky hany itiho pamory hetra itiho avo. 12Mifaly hany indro isan-kerignandro zaho. Magnome gny ampahafolon'izay azoko aby zaho'.13Fa gny pamory hetra,nijoro tegny alavisy ,sy nety nanandrasy gny masony tegny amin'gny lagnisy avo ,fa niteha-tratra, nizaka ho:'Zagnahary o, mamindra fo aminahy, mpanota.' 14Mizaka amindrareo Zaho,io lelahy io dra nihery niboaaky tagny an-tragnony voamary noho gny raiky, satria ze manandra-tegna dra hahetry aby,fa ze manetri-tegna gny hasandrasy aby.''15Gny olo koa dra ninday gny zanany kely teo aminazy, ba hikasuhany anazy reo, fa gny nahita anizay gny mpianasy ,dra nizaka fatrasy anazy , nizaka ho:''angao gny zaza hagnato Anahy ,dra ka rarana ereo. Fa an'gny manahaky anazy reo gny fazakan'Agnahary.17Zakako mary amindrareo, dre iza dre iza sy handray gny fazakan'Agnahary manahaky gny zaza dra sy hilisy ao amin'izay mihisy.''18Dra nisy panapaky raiky nagnontany Anazy,nanao ho:''Papianasy soa o , ino gny sy maisy hataoko ba handovako gny fiaigna mandrakizay?''19Jesosy nizaka taminazy ho:''Nanao akory Zaho gny tokavinao ho soa? Sy misy olo soa ,afa-sy Zagnahary raiky avo.20Fatanao gny didy ka mizangazanga, ka mamono olo,ka mavandy, magnaza gny ranao vo gny reninao.''21Nizaka gny panapaky ho:''zay aby zay dra fa nakatoaviko hatry zaho bo tanora.''22Gny fa napiboaky anizay Jesosy ,dra nizaka taminazy ho:''Raha raiky gny sy apy aminao. Sy maisy mivarosy ze anagnanao aby anao dra mizara anizay amin'gny mizaly ,vo hana hanagna agny an-dagnisy anao vo avia, magnaraha Anahy.''23Fa gny nahare gny raha reo gny panapaky ,dra nazary nalahelo loasy,fa nana-karena be izy.24Dra Jesosy , nahita anazy, nazary nalahelo fatrasy [ Fagnamariha:Reo manam-pahaiza dra misara-kevisy tokony ho ampiliriny eto gny zaka ho:[ Izy] dra nazary nalahelo fatrasy . Apitahao gny and 23] vo nizaka ho:''Manao ino gny fahasarotan'gny filira ao amin'gny fazakan'Agnahary ho an'ereo ze ho pagnarivo! 25Fa moramora koa ho an'gny rameva gny hilisy amy forim-pajaisy, nohon'gny hiliran'gny olo pagnarivo raiky ao amin'gny fazakan'Agnahary.''26Reo ze nahare anizay dra nizaka ho:''Iza vo gny afaky voze?''27Jesosy namaly ho:''reo raha ze sy hain'olombelo dra hian'Agnahary.''28Petera nizaka ho:''Indro, nagnenga gny raha ze anay zahay aby vo nagnaraky Anazo.''29Dra Jesosy nizaka tamin'ereo ho:''Zakako mary amindrareo,fa sy misy olo ze nahafo tragno,dre valy,dre rahalahy,dre ray aman-dreny,dre zanaky,nohon'gny fazakan'Agnahary,30ze sy hahazo maromaro koa amin'itiho zao totolo zao itiho,vo amy andro ho avy,dra fiaigna mandrakizay.''31Gny fa avy namory gny ro ambinifolo lahy teo Aminazy Izy,dra ho izy tamin'ereo ho:''Indro, miakasy ho agny Jerosalema isika,dra gny raha aby ze voasorasin'ereo paminany momban'gny Zanak'olo dra ho tateraky.32Fa hatolosy eo amin'ireo zetilisa Izy,dra hihomeheza,vo hangala baraka, vo ho rorana.33Tarafan'gny hazera Anazy,dra ho vonon'ereo Izy vo amin'gny andro fahatelo dra hisanga ndraiky Izy.''34Sy nahatakasy dre ino dre ino tamin'ereo raha reo ereo,dra navoniny tamin'ereo zay zaka zay,dra sy azon'ereo gny raha ze voazaka.35Dra raha nagneky an'i Jeriko i Jesosy,dra nisy lelahy poaky raiky nipetraky teo asisin-dala nangataky,36vo raha nahare gny vahoaky niriosy , dra nagnontany ze raha nisanga izy. 37Nizaka taminazy ereo ho nandalo teo Jesosy laha tagny Nazareta.38Nitoka fatrasy gny lelahy poaky,nanao ho:''Jesosy, Zanak'i Davida, mamindra fo aminahy.''39Fa reo ze nandeha nialoha dra nizaka fatrasy an'gny lelahy poaky ,dra nizaka taminazy ba hangina. Fa izy vao maiky niasoasi fatrasy ho:''Ry Zanak'i Davida, mamindra fo aminahy.''40Jesosy nizano vo nandidy gny ba hinday gny lelahy ho eo aminazy. Dra gny fa teo mariny lelahy poaky,dra nagnontany anazy Jesosy ho:41'' Ino gny tianao hataoko ho anao?''Nizaka izy ho:''Topo,te- hahirasy zaho.''42Jesosy nizaka taminazy ho:''Mahirata. Gny finoanao gny nahasitra anao.'' 43Teo noho eo dra nahirasy izy dra nagnaraky Anazy, nagnome voninahisy an'Agnahary. Gny olo aby, gny fa nahita anizay,dra nanolosy fidera ho an'Agnahary.
Chapter 19

1Nilisy Jesosy vo nandalo an'i Jeriko. 2Indro, nisy lelahy ze nitokavy ho Zakaiosy teo.Izy dra lahiben'gny pamory hetra sady manan-karena.3Niezaky gny hahita izy ho iza Jesisy ,ka nefa sy afaky nahita tao agnaty vahoaky , satria bory izy. 4Koa nilomalomay nialoha gny olo izy dra nagnaniky hazon'aviavy raiky ba hahita Anazy,satria hiala amin'izay lala zay Jesosy.5Nony avy teo amin'gny toera Jesosy, dra niandrandra Izy dra nizaka taminazy ho:''Ry Zakaiosy, miboaa malaky , fa amizao dra sy maisy hizano ao an-tragnonao Zaho.''6Dra niboaky malaky izy dra nandray Anazy tamim-pifalia.7Gny fa nahita anizay aby dra nitaray avo koa, nizaka ho:''Nilisy hamangy lelahy ze panota Izy''.8Nisanga Zakaiosy dra nizaka tamin'gny Topo ho:''Hatio, ry Topo, gny asaky gny fanagnako dra omeko ho an'gny mizaly,vo raha manahaky dra nisy raha nagnambakako olo,dra honerako abo efasy heny.''9Jesosy nizaka taminazy ho:''Androany gny famozena gny avy ato amin'itiho tokatragno itiho, satria izy koa dra zanak'i Abrahama. 10Fa gny Zanak'olo dra avy ba hitalia vo hamozy gny olo ze levo.''11Raha nahare anizay raha zay ereo,dra nanohy nizaka Izy vo nanao fagnohara raiky , satria teo marin'i Jerosalema Izy,vo ereo nieriserisy fa hiseho teo noho eo gny fazakan'Agnahary.12Noho zay Izy dra nizaka ho:''Nisy tandapa raiky nandeha tagny an-tany lavisy ba hahazo fazaka ho an'gny vatany dra hihery bak'eo.13Nitoka folo lahy tamin'ereo panopony izy,vo nagnome farantsa folo anazy reo,vo nizaka tamin'ereo ho:'Manova raharaham-barosy mandra-piheregnako.''14Kanefa gny vahoaky nalaiky anazy vo nandefa solotegna nagnaraky anazy , nizaka ho:''Sy taliavinay gny hazakan'io lelahy io eto aminay.'15Dra gny fa nihery draiky izy,aby nadray gny fazaka,dra nandidy gny mpanopony ze nomeny vola vaho eo aminazy izy,ba hahafatarany ze tombony azon'ereo tamin'gny fanova raharaham-barosy.16Avy teo agnoloany gny volohany, nizaka ho:'Topo, gny farantsnao dra nahazo tombony farantsa folo mihoasy .'17Nizaka anazy gny tandapa ho:''Soa zay,ry panopo soa. Noho anao nahatoky tamin'gny kely dra kely,dra hanam-pahefa amy tana folo anao.'18Avy gny faharo, nizaka ho: 'Gny fa farasinao, Tompo, dra nahavita farantsa dimy,'19Dra nizaka taminazy dra tandapa ho: 'Handrekisy tana dimy hanao.'20Avy gny riky hafa, nizaka ho: 'Tompo, indro gny faratanao, izy ahaza soa tao agnaty lamba,21Fa natakosy anao zaho, satria lelahy masiaky hanao. Mangala inizaho sy nampetrakao, dra miziza izaho sy nafahinao.'22Nizaka taminazy gny tandapo ho: amigny taminao manoka gny hisarako anao, hanao vo mpanompo rasy fagnahy. Fatako fa izaho dra lelahy masiaky, mangalaky ze sy nafafiko.23Konagnino gny sy nampetrako tagny amigny mpitahiry vola gny volako, dra iziaby nihery zaho dra ho nadraby anizaho tanigny zanany?'24Gny tamdapa nizaka tamin'ereo ze nisanga teo agnilany teo ho: 'Alao aminazy gny farantsa, dra omeo anigny mana gny farantsa folo.'25Dra ho ereo taminazy ho: ''Tompo ,mana farantsa folo izy.'26'Izaho mizaha amindrareo, fa iziaby mana dra home mihoasy, fa izy sy mana, dra izay anagnany dra ho alany.27Fa ereo fahavaloko, ereo ze sy nisiry anahy hazaka eo amigny ereo ze eto aty izy ereo vo vono eto aloako.'''28Iziaby avy nizaka an'ereo raha ereo izy, dra nandeha aloha ho agny Jerosalema29Vo nony avy teo agnilany Betifaga vo Batania Izy, teo amigny tendribohisy tokavo ho Oliva, dra nagniraky gny ro tan'ereo mpianany Izy,30NIzaka ho: "mandehana agny midisy handrareo, dra hahita zana-boriky ereo mbo sy nitikiran'olo idraiky. Vahao izy dra ento aty aminahy.31Raha misy magnotany adrareo ho: 'Nagnino moa vahadrareo io?' dra zakao ho: 'Misy teliavany Tompo anazy.'32Ereo izay niraihina dra nandeha dra nahita gny zana-boriky araky gny nizakany Jesosy tamin'ereo.33Raha teo an-pamahany gny zana-boriky izy ereo dra ho ereo tompony tamin'izy reo ho: "Ngninogny vahadrereo gny zana-boriky?" 34Nizaka ereo ho: "Misy teliaviny Tompo anazy."35Nandesiny ereo teo ambaninigny zana-boriky gny lambany dra nametraky an'i Jesosy teo abony.36Raha nandeha egny izy, dra nabelasin'ereo teo amigny lalana gny lamban'izy reo.37Dra iziaby nariny any fimpetraha miroro amigny tedrimbohitr'Oliva izy, dra nanomboky nifaly ereo mpianany maro be dra nidera an'andriamanitra tamigny feo fatrasy nohonigny asa lahibe aby ze hitan'izy reo,38NIzaka ho: "Dera ane gny mpazaka izay avy amigny agnarany Tompo! Fiadagna agny an-dagnisy dra voninahitra agny amigny avo indrindra!"Gny fariseho ilany teo amigny vahoaky dra nizaka tamigny ho: "mpampianasy o, zakao fatrasy ereo mpiamasy o.40Namaly Jesosy dra nizaka ho: "Zakako amidrareo fa raha marevoky ereo, dra hikiaky gny vato. "41Iziaby nagnato gny tanana Jesosy, dra nitomagny anazy,42Nizaka ho: "Gny ba satanao moa aminizao andro izaho agny hanao, ereo raha izao minday fiadagna ho anao! Nefa aminizao igny dra miafy amigny masonao43Fa ho avy aminao ereo andro, izay hanaganan'ny fahavalonao manda magnodidy anao, dra hagnodidy anao, dra hanery anao amigny lafiny aby.44Izy ereo dra hampilavo anao amigny tany miaraky amigny zanako. Sy haga dra vato raiky nifanegy vo izy ereo satria hanao sy nahafatasy izaho fony andriamanitra niezaky gny hamozy anao."45Nidisy tao antragnony Jesosy dra nanomboky nandroaky ereo ze mpamarosy,46Nizaka tamin'izy reo ho: "Fa voasorasy ho: 'Gny tragnoko dra natao tragno fivavahana,' fa drareo koa nanao anazy ho zohy fieren'ereo Zolahy."47Ko dra nampianasy isan'adro tao an-tempoly Jesosy. Ereo lohan'ny mpisoro vo ereo mpanoro-dalana dra ereo mpitariky gny vahoaky dra nitalia hamono anazy,48Fa sy nahita fomba hanova izaho izy ereo, satria nazoto niteno anazy avo gny vahoaky aby.
Chapter 20

1Vo andro, raha napianasy gny vahoaky tao amigny tempoliny Jesosy vo nitory gny filazasara, dra nagnato anazy reo lohan'ny mpisoro vo mpanorandalana niaraky tamin'ereo loholo.2Nizaka izy reo, nanao taminazy ho: "zakao izanay ereo ho amigny fahefa ino gny hanova ereo raha izao fahefa izao?"3Namaly Izy dra nizaka ereo ho: "Izaho koa drahametraky fagnotania amidrareo. Zakao anahy gny mahakasiky4Gny batisan'i Jaona. Moa se izaho agny andagnisy sa amigny olombelo5Nialy hevisy izy reo, nizaka ho: "raha hamaly isika ho: 'Vo agny andagnisy dra hizaka Izy ho: 'Ko nagnino drareo gny sy mino anazy?'6Fa raha nizaka isika ho: 'avy amigny olombelo,' dra hitora-bato asika gny vahoaky aby, satria izy reo dra resy lahasy fa Jaona dra mpaminany .''7Noho izaho dra namaly izy reo fa sy fatas'izy ereo izany gniasiny.8Jesosy nizakatam'izy ereo ho: "Izaho koa sy nizaka amidrareo izaho fahefana hanovako izaho raha aby izaho."9Nizakany tamigny vahoaky izao fagnohara izao: "Nisy lelahy raiky nanao tanim-boaloboky, napagnofa izaho tamigny mpaboly voaloboky, dra nandeha tagny amigny firenena hafa naharisy gny fotoa ela.10Tamigny lera voatodro dra nandefa mpagnampy izy ho agny amin'ereo mpaboly voaloboky, fa tokony hagnome anazy gny voakazony tanoboly izy reo. nikampohin'ereo mpaboly anefa izy, dra nalefany nihery tagnam-polo.11Avy eo dra nandefa panopo hafa ndraiky izy dra nizeran'ereo avo koa, nalany baraka, dra nalefan'ereo tagna-polo. 12Bo nandefa fagnitelony izy dra nirasan'izy reo koa izy, dra niroahiny.13Noho izay dra nizaka gny tomponigny tani-voloboky ho:'' ino gny ho ataoko? halefako agny gny zanaky lahy malalako. Mety ba ho hazanon'ereo izy.''14Fa gny hitan'ereo pamboly voloboky izy, dra nifapizaka ereo, nizaka ho:'' io gny pandova, Ndeha ho vonosika izy, ba ho lasasika gny lova.15Niroahin'ereo niala gny tanim-voloboky izy dra nivonon'ereo.Ino dra gny ho ataon'ny tomponigny tanimboloboky amin'ereo?16Ho avy izy dra hanorotoro reo pamboly voloboky, dra hagnome gny tanim-voloboky ho an'ny hafa.'' Gny hagnome izay izy dra, nizaka ho:'' sagnatria amin'i Zagnahary!''17Fa nagnety anazy reo Jesosy, nizaka ho:''ino gny hevisigny voasorasy ho:''gny vato izay nandagnan'ereo pagnori-tragno gny avy vato fehizoro? 18Gny kiraikiraiky izay lavo eo amin'io vato io dra ho torotoro. Fa na iza na iza ho lavo, dra ho torotoro.''19Dra nitalia hanambosy anazy tamin'io ora reo panora-dalana vo reo pisoro, fa fatas'ereo fa nizakany io fagnohara io hanohisy anazy reo. Kanefa natahosy gny vahoaky ereo. 20Teo apandiniha anazy soa, dra nandefa pisikilo moly ho marina ereo, ba afahan'izy reo mahita signy amigny zakany, dra hagnome anazy eo amigny fanapaha vo gny fahefan'ny governora.21Nagnotany anazy ereo, nizaka ho:'' papianatro o, fatasay hanao fa mizaka vo mapianasy apahamarigna, dra sy voatariky gny hevis'izay na iza, fa hanao dra mapianasy gny fahamarigna momban'ny lalan'i Zagnahary. 22Ara-dalana ho anay se gny mandoa hetra amin'i Kaisara, sa tsia?''23Fa Jesosy dra nahatakasy gny fahesen'ereo, dra nizaka tamin'ereo ho:''24''Mapotoroa deraina raiky aminahy. An'iza io sary agnara eo aminazy io?'' Nizaka ereo ho:''An'i Kaisara.''25Hoizy taminereo ho:'' Noho izay omeo an'i Kaisara gny raha izay an'i kaisara, dra an'i zagnahary.'' 26Sy nahita signy tamizay nizakany teo anatrehany vahoaky ereo, fa dra nitolagaga taminy valiteniny dra nigy.27Raha avy teo aminy gny ilany taminereo Sadoseo, ereo ze nizaka fa sy misy gny fisanganaamy maty, 28Nagnotany anazy ereo, nizakaho:''mpampianaso o, Mosesy dra nanorasy ho asika fa raha maty gny rahalahiny lelahy raiky, manambaly, dra sy nananganaky, dra tokony hangalaky valy any valy ny rahalahiny, dra hagnome zanaky ho any rahalahiny.29Nisy mpirahalahy fito dra gny volohany nanambaly, dra maty sy nanagnanaky 30dra gny faharo koa manahakanizay. 31Nampiakatra anazy gny fahatelo, dra gny avokoa izy fito samy sy nanagnanaky, dra maty. 32Tafarany dra maty ko ampela. 33Amy fisangana amy maty, ho valiniza izy? Fa samy fa nanambaly anazy fito.''34Jesosy nizaka tamin'ereo ho:'' ireo zanak'izao tontolo izao dra pamaka-valy vo ampiakary. 35Fa ireo izay nahita amin'izao andro izao fa mendriky gny handray gny fisangana amigny maty dra sy hapaba-valy na hapekary. 36Sy ho maty sasy izy reo, satria mitovy amindrareo azely vo reo zanak'i zagnahary, izay zanaky gny fisangana amigny maty.37Fa fnt maty nasangany, na Mosesy aza dra napiseho, teo amigny toera izay nisy gny voaroy, izay nitokavany gny tompo ho Zagnaharin'i Abrahama vo Zagnaharindr'Israely dra Zagnaharindr'i Jakoba. 38Dra izy sy Zagnahary gny maty, fa gny velo, satria gny aby dra velo ao aminazy.39Gny ilany taminereo mpamoro namaly ho: "40Stria sy sahy nametraky hagnotania hafa tanigny sasy izy ereo.41Jesosy nizaka anazy reo ho: "Nagnino gny izaka ereo fa kristy dra zanaka lahin'i Davida?42Fa Davida tegnany se nizaka tao amigny bokin'ny Slamo ho: Gny tompo nizaka tamigny Tompoko ho: 'Mipetraha eo an-tana ankavanako,43Mandrampanovako gny fahavalonao ho hitobokatom-nokao.'44Nohoizaho Davida dra nitoka an'i kristy ho: 'Tompo', koa nagnino gny maha zanak'i Davida anazy?"
46"Mitandrema amigny mpanora-dalana ze misiry handeha miaraky amigny akazo lava, vo tia fiharaba manoka egny asena, vo seza volohany ao anaty synagoga, dra mipetraha volohany agny amigny fanasa.47Izy io koa dra mandany gny tragnodrareo pandaitegna, vo manao vavaky ho fisehosehoany. Gny lelahy manahaky anizy dra hahazo feloky lahibe tokoa."
Chapter 21

1Jesosy nanipy maso dra nahita gny lelahy mana-karena ze nandrosaky gny fagnatisin'izay tao amy fandasahan-drakisy. 2Nahita mpinday -vata mizaly raiky nandrosaky farasa ro tao Izy.3Dra Izy ho:''Zakako maryy amindrareo , itiho mpinday-vata mizaly itiho dra nandasaky maro noho izy aby. 4Reo aby reo dra nagnome fagnatisy araky gny haben'gny hareny. Fa itiho mpinday-vata itiho, tamin'gny fahatrany, dra nandasaky gny fivelomany aby.''5Raha nisy maro niresaky momba gny fiangona, fa voaravaky vato soa tarehy vo fagnatisy zay, dra ho Izy ho:6'' Fa gny amin'ereo raha hitandrareo reo, bo ho avy gny andro ze sy hisy dre vato raiky avo hizano amy hafa dra sy ho rava.''7Koa nagnontany Anazy ereo, nanao ho:''Ry mpampianasy, ombia gny raha reo gny hisy? Ino gny famatara gny fa hisy reo raha reo?''8Jesosy namaly ho:''Mitandrema va sy ho voafitaky andrareo. Fa maro gny ho avy amy agnarako, hanao ho:'Zaho gny izy,'dra'fa mariny fotoa.'Ka magnaraky anazy reo. 9Gny fa mahare aly vo fikomia andrareo, dra ka mihorohoro, fa reo raha reo dra sy maisy hisy aloha, fa gny farany dra sy hisy eo noho eo.''10Dra ho Izy tamin'ereo ho:''Gny firenena dra hisanga hanohisy firenena. dra fazaka hanohisy fazaka. 11Hisy horohoro-tany lahibe,dra mosary vo areti-mandringa agny amy toera samihafa. Hisy raha mampatahosy dra famatara lahibe laha tagny an-dagnisy.12Fa mialohan'ereo raha aby reo, dra hanambosy andrareo ereo dra hagneziky andrareo, hanolosy andrareo ao amy synagoga vo gny figadra, hinday andrareo eo agnoloan'ereo pazaka vo reo mpanapaky nohon'gny agnarako. 13Zay dra hagnome fahafaha ho amy fizoroandrareo vavolombelo.14Noho zay dra manapaha hevisy ao am-pondrareo ba sy hagnoma gny fiarovandrareo mialohan'gny fotoa, 15fa Zaho hagnome zaka vo fahendrena andrareo , ze sy afaky tohery vo handagnan'ereo mpanohisy andrareo.16Fa andrareo koa dra ho atolosy gny ray aman-dreny, reo rahalahy, reo hava vo reo nama, dra ereo dra hamono ho maty gn'ilany amindrareo. 17Ho halan'gny kirairaiky noho gny agnarako Andrareo. 18Fa sy hisy ho levo dre dra singam-bola raiky eo amy lohandrareo aza. 19Amin'gny faharetandrareo gny hamozea andrareo gny fagnahindrareo.20Gny fa hitandrareo voadidy miaramila Jerosalema, dra fatako fa mariny gny faharavany. 21Dra ao reo ze agny Jodia handositry agny an-dohambohisy , dra ao reo ze agny agnevon'gny tana hiala. dra ka anga hilisy ao reo ze agny ambanivohisy. 22Fa reo gny andron'gny valifaty, ba ho tateraky reo raha aby fa voasorasy.23Loza ho an'ereo ze minday vohoky vo ho an'ereo mampinono amin'izay andro zay! Fa hisy fahoria lahibe eo amin'gny tany, dra hahoria amin'io vahoaky io. 24Ho lavon'gny lefo ereo dra ho andesy ho babo agny amin'gny firenena aby, dra Jerosalema dra ho voahosihosin'ereo Zetilisa, mandrapa-tateraly gny andron'gny Zetilisa.25Hisy famatara egny amignymasoan- dro, egny amigny volana, vo egny amigny kitana, dra eto an-tany. Ho tra-pahoria ereo firenena, haharary nahan'ny eron- dranomasina vo ereo onja.26Hisy lelahy ho toran'ny tahosyvo gny fandignisa an' ereo raha izaho ho avy eto an-tany. Fa ho voahozgozo gny herin' ny lagnisy.27Avy eo ho hitanizireo gny Zanak'Olo avy egny amigny raho miaraky amigny hery vo voninahisy lahibe. 28Fa gnifa manoboky gnirahahita reo raha reo, dra misanga vo hakalaza gny lohadrareo, satria fa mariny gny fagnafaha adrareo."29nanao fagnohara tamin'izy ereo Jesosy ho: "Atio gny hazon'aviavy, vo ereo hazo iziaby. 30Iziaby magnoroky an'ereo, dra ho hitadrareo manoka fa agnilany gny lohatao.31Dra izaho avo koa iziaby hitadrareo misaga ereo raha reo, dra fatasidrareo fa mariny gny fazakan'agnahary.32Zakako amindrareo, marina tokoa, tiky taranaky dra sy ho maty mandra-pisehoan'ireo raha reo. 33Gny lagnisy vo gny tany dra ho levo, fa ireo zakako dra sy ho levo mandrakizay.34Fa mitandrema amigny tagnandrareo, ba sy ho vesaran'ny vokasy gny fisotroa vo gny fahamamoa gny fondrareo, vo reo ahiahin'ny fiaigna, dra avy eo hihily tampoky amindrareo manahaky gny fandriky izay andro izay. 35Fa izay dra go avy amigny kiraikiraiky izay miay maneran-tany.36Fa ba mailo amigny fotoa aby, mivavaha ba ho ampy hery handrareo handosira reo raha aby izay hiseho, dra hisangana eo alihan'ny zanak'Olo.''37Dra nandrisy andro dra napianasy tao amigny tempoly izy, dra gny hariva nandeha niboaky izy dra nizano teo an-tendrombohin'iOliva. 38Ireo vahoaky aby dra avy vo mangiran-drasy ba hiteno anazy tao amigny tempoly.
Chapter 22

1Dra fa antomosy gny Firavoravoa amy Mofo sy misy masirasira, zay tokavy ho Pasaky. 2Nialy hevisy gny lohan'gny mpisoro vo gny mpanora-dala gny amy fomba afahan'ereo mamono an'i Jesosy, satria natahosy gny olo ereo.3Bak'eo Satana nilisy tamin'i Jodasy Iskariota, ze raiky tamin'ereo ro ambini'gny folo. 4Jodasy nandeha nagnagny amin'ereo lohan'gnyb mpisoro vo gny kapiteny dra nialy hevisy tamin'ereo gny amy fomba hamalihany an'i Jesosy eo amin'ereo .5Faly ereo,dra nagneky hagnome vola anazy.6Nagneky izy,dra nitalia kendry tohana ba hanolorany Anazy eo amin'ereo lavisy gny vahoaky.7Avy gny andron'gny mofo sy misy masirasira , zay sy maisy hanova soro gny zanakagn'ondry gny Pasaky. 8Jesosy nagniraky an'i Petera vo Jaona, nanao ho:''Mandehana dra homano ho asika gny sakafon'gny Pasaky, ba afahasika mihina anizay.''9Izy reo nagnontany Anazy ho:''' Eza gny tianao hanovanay gny fagnomana?''10Namaly anazy reo gny Ho:''Tenoy, gny fa midily gny tana andrareo, dra hisy lelahy raiky minday sinin-drano hifane amindrareo. Magnaraha anazy agny amin'izay tragno ilirany. 11Dra zakao gny topo-tragno ho:''Gny Pampianasy mizaka aminao ho:''Eza gny efi-tragno fandrambesa-bahiny, ze hihinanako gny sakafon'gny Pasaky miaraky amin'ereo mpianasiko?'''12Izy hampiseho andrareo efitragno agn'abo rihana lahibe misy fanaky. Atovy ao gny fagnomana.''13Koa dra handeha ereo, dra nahita gny raha aby araky ze nizakany tamin'ereo . Dra nagnoma gny sakafon'gny Pasaka ereo.14Gny fa avy gny fotoa, dra nipetraky niaraky tamin'ereo apostoly Izy. 15Dra nizaka tamin'ereo Izy ho:''Nagniry fatrasy gny hihina itiho Pasaka itiho miaraky amindrareo Zaho mialohan'gny Hizaliako. 16Fa zakako amindrareo, sy hihina anitiho sasy Zaho, mandra-pahatateraky anizay agny amy fazakan'Agnahary.''17Dra nandray Kapoaky Jesosy , dra gny fa nisaotra Izy, dra nanao ho:''Rambeso itiho, dra zarao amindrareo. 18Fa zakako amindrareo, sy hino gny vokany gny voloboky sasy Zaho, mandra-pahavian'gny fazakan'Agnahary.''19Dra nandray gny mofo Izy, dra gny fa nisaotra, dra nitapahiny zay, dra nomeny anazy reo, dra nizaka ho:''Itiho gny vatako zay omeko andrareo. Atovy zao ho fahasiarova Anahy.''20Nirambesiny tahaky anizay koa gny kapoaky gny fa vita gny sakafo, dra hoy izy ho:''Itiho kapoaky itiho dra gny faneke vaovao amy lioko, ze nalasako ho andrareo.21Fa mitandrema. Gny raiky ze hamaliky Anahy dra miaraky Aminahy eto an-databasy. 22Fa gny Zanak'olo dra mandeha tokoa araky ze voatendry. Fa loza ho an'izay lelahy ze hamaliky Anazy zay!'' 23Nanomboky nifapagnontany ereo gny amin'gny raiky amin'ereo zay mety hanao anizay.24Dra nisy fifandira nisy koa teo amin'ereo momba ze hevery ho lahibe indrindra amin'ereo. 25Nizaka tamin'ereo Izy ho:''Reo Pazaka gny zetilisa dra topon'ereo, dra reo ze mana fahefa amin'ereo dra atao hanahaky gny ze manao soa ho an'gny vahoakiny.26Fa sy manahaky anizay mihisy gny amindrareo. Mifanohisy amin'izay, ao ze farany lahibe amindrareo ho lasa manahaky gny masaiky be,dra ao ze mana-daza indrindra ho avy tahaky ze manompo. 27Fa iza gny lahibe koa, ze mipetraky amy latabasy, sa ze manompo? Sy zay mipetraky eo amin'gny latabasy se? Kanefa Izaho eto amindrareo manahaky gny raiky manompo.28Fa andrareo gny olo ze nanohy niaraky taminahy tao amin'gny fakam-pagnahy nisy taminahy. 29Omeko fazaka andrareo, manahaky gny Rako koa zay nagnome fakaza ho Anahy, 30ba ho afaky hihina vo hino eo an-databasiko agny amin'gny fazakako andrareo, dra hipetraky eo amy seza fiandriana hisara gny fokon'Israely rô ambin'gny folo andrareo.31Simona, Simona, mitandrema , mitalia gny hahazo andrareo Satana, ba afahany manivana andrareo manahaky gny vary. 32Fa nivavaky ho anao Zaho, ba sy ho maty gny finoanao. Tafaran'gny hiharegnanao draiky, dra ampaherezo gny rahalahinao.''33Petera nizaka taminazy hô:''Topo, vonona hiaraky Aminao zaho dre agny ampoza dre ho agny amin'gny fahafatesa.''34Jesosy namaly hõ:''Zakako aminao, ry Petera, sy hagneno gny akoho amin'izay andro zay, mialohan'gny handavanao Anahy ontelo hô mahafatasy Anahy anao.35Dra nizaka tamin'ereo Jesosy ho:''Gny fa nandeha andrareo sy niaraky tamin'gny fipetraram-bola, kitapom-basy , dre kiraro Zaho, nisy raha sy apy andrareo se?''Namaly ereo ho:''Sy nisy.''36Dra nizaka tamin'ereo Izy ho:''Fa zao ze mana fipetraram-bola, ao izy hangalaky anizay, dre kitapom-basy avo koa. Zay sy mana sabasy dra tokony hivarosy gny lambany dra hivily raiky.37Fa Izaho mizaka amindrareo , ze voasorasy momba Anahy dra sy maisy tateraky :''Izy dra nirambesy manahaky gny raiky amin'ereo sy manara-dala.'Fa ze nizakany mialoha momba anahy dra fa ho tateraky ''38Dra nizaka ereo hô:''Topo., hatio! Tahôky misy lefo rô.'' Izy nizaka tamin'ereo hô :''Apy zay.''39Tafaran'gny sakafo , dra nandeha Jesosy, manahaky gny fataony matetiky, tagny an-dohambohisin'Oliva, dra nagnaraky Anazy gny mpianasy .40Gny fa avy ereo, dra ho Izy tamin'ereo:''Mivavaha ba sy hilirandrareo amy fakam-pagnahy.''41Niala teo amin'ereo teo ho eo amy ndraiky mitora-bato Izy, dra nandohaliky Izy dra nivavaky, 42nanao ho:''Ray o, raha sitrakao, dra alao aminahy itiho kapoaky itiho. Dre zay avo sy gny sitrako, fa Anao gny hatao.''43Dra nisy azely laha tagny an-dagnisy nideho taminazy, nampahery Anazy. 44Tao agnatin'gny fangirifiria, nivavaky tamin-kafanam-po fatrasy Izy, dra gny hasembohany dra nazary gny lio nitete tamin'gny tany.45Dra gny fa nisanga baka nivavaky Izy, dra nangnangny amy mpianasy , dra nahita anazy reo nandry nohon'gny alahelon'ereo ,46ka nagnontany anazy reo ho:''Nanao akory gny mandry andrareo? Misangana dra mivavaham ba sy hilirandrareo amy fakam-pagnahy.''47Raha bo nizaka Izy, indro, nisy vahoaky niseho, niaraky tamin'i Jodasy, raiky amin'ereo ro ambin'gny folo, nitariky anazy reo. Nagneky an'i Jesosy izy ba hagnoroky Anazy, 48fa Jesosy nizaka taminazy ho:''Jodasy, mamaliky gny Zanak'olo amin'gny oroky se anao?''49Gny fa nahita gny raha-nisanga gny ze nagnodidy an'i Jesosy, dra nizaka ereo ho:''Topo, tokony hamely amin'gny sabasy se izahay? 50Bak'eo gny raiky tamin'ereo namely gny mpanompon'gny mpisoronabe , dra nanapaky gny sofiny havana. 51Jesosy nizaka ho:''apy zay!''Nikasihiny gny sofiny, dra nisitraniny izy.52Jesosy nizaka tamin'gny lohan'gny mpisoro, tamin'ereo kapitenin'gny fiangona, dra tamin'ereo loholo ze avy hanohisy Anazy ho:''Avy manahaky gny hanambosy mpangakasy se andrareo, miaraky amy lefo vo langilangy?53Tamin'Izaho niaraky tamindrareo isan'andro tao am-piangona, sy nanambosy Anahy andrareo. Fa zao gny lerandrareo, vo gny fahefan'gny hezina.''54Teo am-pisambora Anazy , dra nitarihan'ereo Izy, dra nandesin'ereo tagny an-tragnon'gny mpisoronabe . Fa Petera nagnaraky laha tegny lavidavisy egny.55gny fa avy nampirehisy afo teo agnevon'gny tokotany dra niara-nipetraky ereo, dra nipetraky teo agnevon'ereo Petera.56Nisy mpanompo ampela raiky nahita anazy raha nipetraky teo amy fahazavan'gny afo izy,dra nagnety mahisy anazy vo nizaka ho:''Itiho lelahy itiho koa niaraky taminazy.''57Fa Petera nanda anizay, nizaka ho:''Ry ampela, sy fatako Izy. ''58Afaky draindray dra nisy olo hafa nahita anazy , dra nizaka ho:''Anao koa raiky amin'ereo.'' Fa Petera nizaka ho:''Ry lelahy , sy izy zaho.''59Nony afaky adiny raiky teo ho eo dra nisy lelahy hafa nagnizingizy vo nizaka ho:''Mary fa niaraky taminazy koa itiho lelahy itiho, fa izy dra Galiliana.''60Fa Petera nizaka ho:''Ry lelahy, sy fatako ze zakanao.''Eo no eo,raha bo nizaka izy,dra nisy akoho nagneno.61Niherika, gny Topo nagnety an'i Petera, dra Petera nahasiaro gny zakan'gny Topo, tamin'gny zaka taminazy Izy ho:''Alohan'gny hagnenoan'akoho amizao dra handa anahy intelo anao.''62Niboaky tagny ambaliky Petera dra nitomagny fatrasy.63Dra gny lelahy niamby an'i Jesosy dra nagnahihany dra nizerany Anazy. 64Nasian'ereo sarona Izy dra nagnontany Anazy ereo, nizaka ho:''Maminania! Iza gny olo ze mazera Anao?''65Nizaka raha hafa maro hanohisy an'i Jesosy ereo, nizaka rasy Anazy.66Raha vo nazava gny andro , dra niara-niango gny loholo, gny lohan'gny mpisoro vo gny mpanora-dalana. Nandesin'ereo tagny amy Synedriona Izy 67dra nizaka ho:''Raha anao gny Kristy, dra zakao aminay.''Fa Izy nizaka tamin'ereo ho:''Raha ho zakako amindrareo, dra sy hino andrareo'',68dra raha hagnontany andrareo zaho, dra sy hamaly andrareo.69Fa manomboky amy zao, gny Zanak'olo dra hipetraky eo an-tagna ankavanan'gny herin'Agnahary.''70Izy aby nizaka ho:''Dra Zanak'Agnahary zay anao?''Jesosy nizaka tamin'ereo ho:''Voalazandrareo fa Zaho gny Izy.''71Izy gny nizaka ho:''Nanao akory gny bo mila vavolombelo isika? Fa isika mihisy gny nahare baka tamin'gny vavany.''
Chapter 23

1Nisanga gny olo aby tamin'ereo, dra ninday an'i Jesosy teo agnoloan'i Pilato. 2Nanomboky niampanga Anazy izy reo, nizaka ho:''Hitanay itiho lelahy itiho nametaveta gny firenenay, nandrara gny hagnomeza gny hetra ho an'i Kaisara, dra nizaka fa Izy vatany mihisy gny Kristy, Pazaka.''3Pilato nagnontany Anazy, nizaka ho:''Anao se gny pazakan'gny Jiosy?''Jesosy namaly anazy dra nizaka ho:''Voalazanao.''4Pilato nizaka tamin'ereo lohan'gny mpisoro vo gny vahoaky ho:''Sy mahita fahadisoa amin'itiho lelahy itiho zaho.''5Fa bo nihizingizy ereo, nizaka ho:''Magnakorota gny vahoaky io, mampianasy eran'gny Jodia manotolo, manomboky laha tagny Galilia dre hatratiho amin'itiho toera itiho avo.''6Koa gny fa ren'i Pilato zay, dra nangnontany izy raha toa ka Galiliana gny lelahy. 7Gny fa hitany fa tao ambany fahefan'i Heroda Izy, dra nalefany Jesosy nagnagny amin'i Heroda, ze tagny Jerosalema avo koa tamin'izay andro zay.8Gny fa hitan'i Heroda Jesosy , dra tena ravoravo izy, satria fa te-hahita Anazy hatry gny ela. Nahare gny momba Anazy izy dra nanatena gny hahita fahagagana maro nataony. 9Heroda nametra-pagnontania an'i Jesosy tamy zaka maro, saiky Jesosy sy namaly dre ino dre ino anazy. 10Reo lohan'gny mpisoro vo reo mpanora-dalana nisanga, niampanga fatrasy Anazy.11Heroda vo reo miaramilany nanevateva an'i Jesosy sady nagnesoeso Anazy. Bak'eo dra nampiakazo Anazy lamba soa tarehy ereo dra nalefan'ereo nihery tagny amin'i Pilato Izy. 12Fa i Heroda vo Pilato dra lasa mpinama tamin'gny androtr'io ( talohan'izay dra mpifahavalo ereo).13Bak'eo Pilato nitoka gny lohan'gny mpisoro vo gny mpanapaka dra reo vahoaky maro niaraky , 14vdra nizaka tamin'ereo ho:''Nandesindrareo teto aminahy itiho lelahy itiho tahaky gny lelahy ze mitariky gny olo hanao rasy, dra hatio, zaho, raha nametra-pagnontania taminazy teo agnoloandrareo, dra sy mahita fahadisoa amin'itiho lelahy mahakasiky gny raha ze hiampangandrareo Anazy.15Aha, dre dra Heroda aza, satria nalefany nihery tatiho amisika Izy, dra hatio, sy misy dre ino dre ino ze mendriky fahafatesa vitany. 16Noho zay dra ho faiziko Izy, dra ho hatahosy Izy.'' 17[ Fagnamariha : Reo fandika soa indrindra dra sy magnisy gny and 17 ho:Dra Pilato dra voatery namotosy gadra raiky ho an'ereo Jiosy tamin'gny andro firavoravoa.]18Fa niara-nihiaky fatrasy ereo, nanao ho:''Andeso agny io lelahy io,dra avosory ho anay Barabasy!''19Barabasy dra lelahy raiky zay nailisy am-poza nohon'gny fikomia maro tao an-tana vo famonoa olo.20Dra nizaka tamin'ereo draiky Pilato, nagniry gny hamotosy an'i Jesosy. 21Saiky nitabataba fatrasy ereo, nizaka ho:''Homboy Izy, Homboy Izy.'' 22Nizaka tamin'ereo fagnitelo izy ho:''Nanao akory, fa ino gny rasy vitan'itiho lelahy itiho? Sy nahita dre ino dre ino ze mendriky sazy famonoa tao aminazy zaho. Noho zay gny fa baka manafay Anazy, dra hamotosy Anazy zaho.''23Fa izy reo nagnizingizy tamigny feo avo, nangataky anazy ba homboana. Gny feon'izy reo dra nandresy lahasy an'i Pilato.24Dra nanapa-kevisy gny hagneky gny fangatahan'izy reo pilato. 25Navotony gny raiky nangatahin'ereo izay nalefa tagny apoza nohon'ny fikomiana vo famonoa olo. fa natolony ho amigny sitrapon'izy reo Jesosy.26Dra teo am-pandesa anazy izy reo, dra nitana an'i Simona avy agny Syrenia, izay avy agny ambanivohisy, dra natobin'izy reo teo aminazy gny hazofizalia ba handesy an'i Jessosy.27Maro tamin'ireo vahoaky, vo reo vehivavy izay nalahelo fatrasy vo nisaona anazy, gny nagnoriky anazy. 28Fa gny nitoliky tagny amin'izy reo, dra nizaka Jesosy ho:'' ry zanakavavin'i Jerosalema, aza mitomagny anahy, fa mitomagnia ho an'ny tagnandrareo vo ho an'ireo zanakindrareo.29Fa ingo, ho avy gny andro izay hizakan'izy reo ho:'' sambasy ireo momba vo ireo kibo izay sy niteraky, dra gny nono izay sy nampinono zaza. 30Dra hanomboky hizaka amin'ireo tendrombohisy izy reo ho:'' miazera aminay, dra amigny havoana ho:'' manarona anay.'' 31Fa gny bo meso gny hazo, ino gny hitranga gny maiky izay?'''32Nisy lelahy hafa,olon-drasy rolahy, nandesy taminazy ba ho vono.33Gny avy teo amigny toera raiky izay tokavy ho:'' Ikarandoha'' izy reo dra teo gny nanomboan'izy reo anazy, vo reo olon-drasy- gny raiky teo amigny akavanany dra gny raiky teo amigny akaviany. 34Jesosy nizaka ho:''ray o, mamela anazy reo, fa sy tatan'ereo izay hataony.'' avy eo dra niloka izy reo, nizarazara reo fitafiany.35Dra nizoro teo olo gny bo nagnanihagny anazy koa reo panapaky, nizaka ho:'' namozy ireo hafa izy. angao izy hamozy gny vatany, gny izy gny kristin'iZagnahary, gny raiky voafily.''36Ireo maramila avo koa dra nangala baraka anazy, nagnotany anazy, nagnome anazy vinaingisy, 37Dra nizaka ho:''gny hanao gny pazakan'ny Jiosy, vezeo gny vatanao.'' 38Nisy famatara avo koa teo agnabony ho:'' izy gny pazakan'i Jiosy.''39Gny raiky tamin'ereo olon-drasy izay nihato teo gny namingavinga anazy tamigny nizakany ho:'' sy hanao se gny Krisy? vezeo gny vatanao vo zahay.'' 40Fa gny raiky nizaka fatrasy anazy, nanao ho:'' sy ba matahosy an'i Zagnahary se hanao, gny samy ambanin'ny fanamelohana mitovy avo? 41Isika dra eto ara-drariny tokoa, satria mandray izay mendrika gny asasika. Fa izy lelahy sy nanao raha rasy.''42Avy eo nizaka ho:'' Jesosy o, sarovy zaho gny fa avy agny amigny fazakanao hanao.'' 43Jesosy nizaka taminazy ho:'' zakako marina aminao, fa amizao hanao dra hindray aminahy agny aparadisa44Dra ora faha-enina teo ho eo tamin'izay, dra gny mezy avy nandrokosy gny tany aby hatramigny ora faha-sivy 45Gny niha mezy gny hazavan'ny masoandro. Avy eo gny lamban'ny telopolo dra nizara avy teo agnevony.46Nihiaky tamigny fo fatrasy, Jesosy nizaka ho:'' Ray o, eo an-tagnanao gny ametrahako gny fagnahiko.'' Gny fa avy nizaka izay izy, dra maty . 47Gny hitany kapiteny gny raha nitranga, dra nagnome vonihahisy an'i Zagnahary izy, nizaka ho:'' azo atoky tokoa fa olo-marina ity lelahy ity.'''48Gny fa hitan'ireo vahoaky aby izay nindrai-niavy ho vavolombelo nagna-trimaso ireo raha nitranga ireo, dra nihery niteha-tratra izy reo. 49Fa ereo aby izay nahafatasy anazy, vo ireo vehivavy izay nagnoriky anazy avy agny Galilia, dra nisanga lavidavisy egny nagnety izay raha izay.50Dra ingo, nisy lelahy raiky tokavy ho Jpsefa, izay pikamba tao amigny Synedriona. Olo soa sady marina izy. 51Io lelahy io dra sy nagneky gny fanapaha-kevisy gny Synedriona vo gny asan'izy reo. Avy agny amigny tananan'ny Jodiana tagny Armatia izy, dra nikasaky gny fazakan'iZagnahary.52Io lelahy io, gny nagnato an'i Pilato, dra nangataky gny vatan'i Jesosy. 53Nalany nizoso izay, nirakofany hariry masaisaiky, dra natobiny tao agnaty lolo raiky izay nivaky tamigny vatolapy, izay sy bo nisy nalevy ndraiky.54Andron'ny fiomana tamin'izay, dra bo nazava rasy gny sabata. 55Reo vehivavy, zay nindray tamin'i Jesosy niala tao galilia, dra nagnaraky avy ao afara dra nahita gny lolo vo gny fomba nametraha gny fatiny. 56Nehery izy reo, dra nagnoma raha-magnisy vo menaky magnisy. Dra tamigny sabata dra nisahasy izy reo araky gny didy.
Chapter 24

1Vo maraindray tamigny andro volohan'ny herignandro, dra nagnagny amigny olo izy reo, ninday reo raha izy nikarakaran'ereo. 2Hitan'izy reo nisokaky lavisy gny lolo gny vato. 3Nilisy tao ereo, kanefa sy nahita gny vatan'ny tompo Jesosy.4Dra gny bo sahira-say momba izay izy reo, tapoky teo, dra nisy lelahy ro nanao fitafia mamirapirasy nisanga teo agnilan'ereo.5DRa gny feno tahosy reo vehivavy dra niakohoky taminazy tagny, nizaka tamin'ireo vehivavy izy reo ho:''nanaoakory handrareo gny mitalia gny velo atiky amigny maty?6Sy ato izy, fa nasanga! tadidio gny nizakany andrareo fony izy bo tagny gfalilia, 7Nizaka fa gny zanak'olo dra sy maisy hanolosy ho eo atagnany olo panota dra hofasihy eo amigny hazo fizalia, dra amigny andro fahatelo dra hisanga ndraiky.''8Reo vehivavy dra nahasiaro reo zakany. 9Dra nihery tagny amigny lolo dra nizaka izay raha aby izay tamin'ireo raiky ambin'ny folo vo gny ambiny aby. 10Dra Mary Magdalena, Johana, Mary renin'i Jakoba, dra reo vehivavy hafa nindray taminazy dra nitatisy izay raha izay tamin'ireo apostoly.11Fa izay hafasy izay dra manahaky gny sy nisy dikany tamin'ireo apostily, dra sy nino reo vehivavy izy reo. 12Kanefa nisanga Petrea, dra nilomay nagnegny amigny lolo, dra niondriky vo nagnety tao, dra nahita reo lambam-paty nitoka. Dra petera noly tagny atragnony, nagnotany tegna gny amin'izay raha-nitranga.13Ihoky, gny ro tamin'izy reo nandeha tamin'io andro io ho agny amigny tanana atao ho Emaosy, izay anipolo Stadio miala agny Jerosalela. 14Izy reo dra nifapizaka momba reo raha aby izay nitranga.15Dra, gny nindrai-nizaka vo nindrai-nampitoby fagnotania izy ro reo, dra nagnotany vo nandeha nindray tamin'izy reo Jesosy. 16Fa gny mason'izy reo dra nisokafiny ba sy hhahafatasy anazy.17Jesosy nizaka tamin'ereo ho:''' ino gny zakandrareo ro etiky am-pandehana?'' Dra nizano izy ro sady nalahelo endriky. 18Gny raiky tamin'ereo reo, nitokavy ho Kleopasy, namaly anazy ho:''hanao raiky se gny olo tao Jerosalema sy nahafatasy reo raha nitranga tagny tamin'izay andro izay?19Jesosy nizaka tamin'izy reo ho:'' Gny hanao?'' izy reo namaly anazy reo ho:''ireo raha mikasiky an'i Jesosy gny Nazareta, izay paminany, nahery tamigny asa vo gny tegny teo agnatrehan'iZagnahary vo gny olo naby, 20Dra gny fomba nanoloran'ireo lohan'ny pisoro vo reo panapakay anazy ba ho melohana ho sy maty vo gny nanomboana anazy teo amigny hazafizalia.21Kanefa izahay nanatena fa izy gny hagnafaky an'Israely. Egny, dra akoasy zay aby izay, telo andro androany izao gny nitrangan'izay raha aby izay.22Nefa koa, gny vehivavy sasany tamigny namanay dra nahatama anay, izay tagny amigny lolo vo maraidray. 23Gny sy nahita gny vatany izy reo, dra tamy, nizaka fa izy reo koa dra nahita fahitana azely izay nizaka fa velona izy. 'v 24Gny lelahy sasany izay nindray taminay dra nandeha tagny amigny lolo, dra nahita. Saingy sy nahita anazy izy reo.''25Jesosy nizaka tamin'izy reo ho;''ry lelahy mola vo vosa saina vo mino ereo aby voazakan'ny paminany! 26Moa se sy nitaliavy ho an'i Kristy gny nizaly tamin'ireo raha reo, dra hilisy agny amigny voninahisy?'' 27Dra nanomboky tamin'i Mesesy dra hatramin'izao paminany aby, dra nadikan'i jesosy tamin'izy reo ao amigny sorasy masina gny momba gny tegnany.28Nony nagnariny gny tanana izay nandehanany izy reo, dra naneho fihesiky manahaky gny ho handeha lavidavisy Jesosy. 29Fa nanery anazy izy reom nizaka ho:''mizano eto aminay, fa ho hariva izao dra fa hifara gny andro.'' Dra nilisy ba hijano nindray tamin'izy reo Jesosy.30Dra, gny nitoboky ba hindray hihina tamin'izy reo izy, dra nangalaky gny mofo, nisaotra izay, vo namaky izay, dra nagnome izay anazy reo. 31Avy eo nisokasy gny mason'izy reo, dra amason'izy reo izy. 32Izy reo nifampizaka ho: ''Moa se gny fosika sy noredareda tao agnatisika, gny nizaka tamisika tegny an-dala izy, gny nanokasy gny Sorasy tamisika izy?'''33Nisanga izy reo tamin'io ora io, dra nihery tagny Jerosalema. Nahita reo raiky ambin'ny folo nindrai-nivory izy reo, vo reo izay nindray tamin'izy reo, 34Nizaka ho:''Gny tompo dra nisanga tokoa, dra niseho tamin'i Simona.'' 35Dra nizakan'ereo izay raha nitranga tegny an-dala, vo gny fomba nisehoan'i Jesosy tamin'izy reo tamigny fanapaha gny mofo.36Vonizaka anizaho raha izahoky ereo dra nisaga teo agnevon' ereo Jesosy tamigny, vo nizaka tamin'izy ereo ho: "fiadagna ane ho adrareo. "37Faho nitaisy vo natahosy izy ereo, vo nihery fa nahita fagnahy.jesosy nizaka tamin'ereo ho: "Nagnino hadrareo matahosy? Nagnino vo misy fagnotania ao am-podrareo?39Atio gny tagnako vo gny tamboko, fa Izaho tegnako avo. Kasiho zaho vo atio. Fa gny fagnahy sy mana nofo vo tola, araky gny ahitadrareo anahy ho mana. "40Gny fanizaka anizahoky izy, dra natorony tamin'ereo gny tagnany vo gny tombony.41Bo si nino izay izy reo nohon'ny hafaliana, dra gaga izy reo, Jesosy nizaka anazy reo ho:'' manana raha hohany se handrareo?'' 42Namen'izy reo fia vita tono izy, 43Dra nalany izay dra nihaniny teo alohan'izy reo44Izy nizaka tamin'ereo ho:'' Tamin'Izaho nindray tamindrareo, dra nizaka tamindrareo fa izy aby voasorasy tao amigny lalan'i Mosesy vo reo paminany dra reo Salamo dra sy maisy ho tanteraky.''45Dra nisokafiny gny sain'izy reo, ba hazoan'ereo gny sorasy masina. 46Nizaka anazy reo izy ho: ''Izao gny voasorasy, fa gny Kristy dra hizaly, dra hisanga amigny maty ndraiky amigny andro fahatelo. 47Fibebahana vo famelan-keloka agny amigny ferenena aby, manomboky ao Jerosalema.48Handrareo gny vavolombelon'ireo raha reo. 49Ingo, halefako amindrareo izay nampanatenain'ny babako. Kanefa mitoboha ao antana mandra-pagnisiandrareo gny hery avy agny agnabo.50Dra Jesosy nitariky anazy reo mandra-pahavin'ereo tagny Betania. Nasandrany gny tagnany, dra nitahiny izy reo. 51Dra, gny niso-drano anazy reo izy, dra nagnenga anazy reo izy dra lasa niakasy tagny andagnisy.52Dra nidera anazy izy reo, dra nihery tagny Jerosalema tamigny fifalina lahibe. 53Nitohy nagnao amigny tepoly izy reo, nakalaza an'iZagnahary.

John

Chapter 1

1Tamigny volohany gny zaka, dra gny zaka tao amin'Agnahary, dra gny zaka dra Zagnahary. 2Izay dra tao amin'Agnahary tamigny volohany. 3Gny raha aby dra avy Aminyzay avokoa, dra gny sy Izy dra sy nisy na ino na ino.4Noho izy gny nisia-piegna, dra io fiegna io gny fahazavanigny olon'aby. Gny hazava dra mamirapirasy ao agnatinigny mezy, dra gny mezy sy nandresy anizay.6Nisy lelahy raiky nirahin'Agnahary, Jaona gny agnarany. 7Avy izy ba ho vavolombelo hitalily gny mombanigny fahazava, ba hinoanigny olon'aby amigny alalany. 8Sy Jaona gny fahazava, fakoa avy ba hitalily gny momba gny fahazava izy.9Gny fahazava mary, ze magnome hazava gny olon'aby, dra avy eto amizao totolo izao.10Teto amizao totolo izao Izy, dra izy gny naharia an'izao totolo izao, dra izao totolo izao sy nahay anazy. 11Avy tagny amigny olony Izy, dra gny olo sy nitakasy anazy.12Fa reo maro nitakasy anazy, ze nino gny agnarany, dra nagnome fahefa ho lasa zanan'Agnahary. 13Reo dra sy nateraky tamigny lio, na gny sitraponigny nofo, na gny sitraponigny olo, fa gny an'Agnahary.14Dra gny zaka lasa nofo dra nagnino teo amisika. Hitanay gny voninahiny, voninahisy manahaky gny raiky ze avy tamigny Ray, feno fahasoava vo fahamarigna. 15Jaona nitalily gny momba anazy dra nihiaky fatrasy, manao anizahoky ho: "Izy raiky ze fa nizakako ho: 'Izy ze avy afarako dra lahibe noho izao, akory talohako Izy."'16Fa boaky amigny fahafenoany gny nandresasika aby fahasoava hagnapy fahasoava. 17Fa gny lala dra name tamigny alalan'i Mosesy. Gny fahasoava vo gny fahamarigna dra avy tamigny alalan'i Jesosy Kristy. 18Sy nisy nahita an'Agnahary na ombia na ombia. Fa gny Zagnahary raiky vo toka avo, izao eo atratranigny Ray, gny napahafatasy Anazy.19Dra izao fagnambaran'i Jaona gny fa nagniraky reo pisoro vo Levita boaky a Jerosalema agny hagneo aminazy reo Jiosy ba hagnotany anazy ho: "Iza moa hanao?" 20Nizaka sotra izy, dra sy nanda, fa namaly ho: "Sy Kristy zaho." 21Dra nagnotany anazy ereo ho: "Ino hanao za? Elia ra hanao io?" Nizaka izy ho gny paminahy?" Namaly izy ho: "Sy izy zaho."22Boak'eo reo nizaka taminazy ho: "Iza hanao, ba afahanay magnome vati-teny anireo ze nagniraky anay? Ino gny hozakandrareo mombanigny vatanao?" 23hoy izy ho: "Izao gny feo, mitoka fatrasy gny agnefisy zaho: 'Atovy mahisy gny lalanigny Topo,' araky gny voazakan'Isaia paminany.24Dra nisy iraky ilany boaky amireo fariseho nalefa, 25dra nagnotany anazy ereo dra nizaka taminazy ho: "Nagnino seky hanao manao batisa raha sy Kristy hanao gny sady sy Elia bo sy paminany koa?"26Dra i Jaona namaly anereo, manao anizahoky ho: "Manao batisa amigny rano zaho. Fa eo agnevondrareo eo dra misy olo raiky msanga sy haindrareo. 27Izy gnyraiky ze avy boaky afarako, ze sy mendriky anahy gny hamaha gny fehi-kapany." 28Reo raha aby reo dra natao ta Betania agny andafin'i Jordana, ze nanovan'i Jaona batisa.29Gny mairaindray Jaona nahita an'i Jesosy nagnato anazy dra nizaka ho: "Atio, ingo gny zanak'Agnondrin'Agnahary ze nangalaky gny fahotan'izao totolo izao! 30Tihoky gny raiky nizakako ho: 'Gny raiky ze avy afarako dra lahibe noho izaho, akory talohako Izy,' 31Dra izaho sy nahay anazy, fa ba ho voazaka amin'Israely izy gny nihaviako hanao batisa amigny rano."32Jaona nitalily, manao anizahoky ho: "Nahita gny Fagnahy nizoso boak'agny andagnisy manahaky gny voromailala zaho, dra nitoby teo agnaboniny zay. 33Sy nahafatasy anazy zaho, fa izy ze nagniraky anahy hanao batisa amigny rano nizaka taminahy ho: 'Eo ambonize hitanao hizosoanigny Fagnahy vo hitobohany eo aminazy, izy gny raiky manao batisa amigny Fagnahy masy." 34Sadynahita zaho gny nitalilia fa izy gny zanan'Agnahary."35Gny maraindray, ndraiky, raha nizoro niaraky tamigny to amireo pianany Jaona, 36dra nahita an'i Jesosy nandeha ereo, dra hoy Jaona ho: "Atio, gny zanak'agnondrin'Agnahary!"37nahare anazy nizaka anizay reo piananay ro dra nagnaraky an'i Jesosy ereo. 38Boak'eo Jesosy nitoliky dra nahita anereo nagnaraky anazy dra nizaka anereo ho: "Ino gny taliavindrareo?" Namaly reo ho: "Raby (ze midika ho papianasy), eza hanao gny mitoby?" 39Namaly anereo izy ho: "Magnatogna dra atio." Dra nagnato ereo dra nahita gny toera ze nonegnany; nitoby niaraky taminazy tao ereo tamin'io andro io, fa tokony fa ho ora fahafolo tamizay.40Raiky tamireo pianasy ro nahare an'i Jaona nizaka dra nagnaraky an'i Jesosy boak'eo i Andrea, rahalahin'i Simona, Petera. 41Nitalia an'i Simona rahalaniny aloha izy dra nizaka taminazy ho: "Hitanay gny Mesia" (Adika ho i Kristy) 42Ninday anazy tagny amin'i Jesosy izy, dra nagnety anazy Jesosy dra nizaka ho: "Hanao dra Simona zanak'i Jaona, hanao dra hatao ho i Kefasy" (ze midika ho: i Petera).43Gny maraindray, raha te0hiala ho a Galilia agny Jesosy, dra nahita an'i Filipo Izy dra nizaka taminazy ho: "Magnaraha anahy." 44Filipo dra boaky a Betsahida agny, tanan'i Andrea vo i Petera. 45Nahita an'i Natanaela i Filipo dra nizaka taminazy ho: "Izy nisoratin'i Mosesy tao amigny lalana, vo reo paminany, hitanay izy, dra Jesosy zanak'i Josefa, boaky a Nazareta ao.46Natanaela nizaka taminazy ho: "Moa hisy raha soa boaky a Nazareta ao?" Filipo nizaka taminazy ho: "Magnatogna dra atio." 47Jesosy nahita an'i Natanaela nagnato anazy dra nizaka reo mombamomba anazy ho: "Atio, zay gny tena isiraelita, ze sy misy fitaky ao aminazy!" 48Natanaela nizaka taminazy ho: "Ino gny fahafatarandrareo anahy?" Jesosy namaly dra nizaka ho: "Talohanigny nitokavan'i Filipo anao, raha teo ambaninigny hazon'aviavy haano, dra hitako.49Natanaela namaly ho: "Raby, Hanao gny zanan'Agnahary! Hanao gny pazakan'Israely!" 50Jesosy namaly dra nizaka taminazy ho: "Akory ra zaho nizaka taminao ho: 'Nahita anao teo ambaninigny hazon'Aviavy zaho,' gny hinoanao? Hahita raha soa mihoasy noho izay zaho." 51Boak'eo Izy nizaka ho: "Zakako amindrareo, mary dra marina vatany, fa hahita gny lagnisy hisikaky handrareo, dra reo azelin'Agnahary hiakasy vo hizoso amboninigny zanak'olo."
Chapter 2

1Telo andro taty afara, dra nisy fangala valy tao Kana ao Galilia, dra teo gny renin'i Jesosy. 2Jesosy vo reo pianany dra nasa tamigny fangala valy.3Gny fa lany gny divay, dra nizaka taminazy gny renin'i Jesosy ho: "Sy mana divay ereo." 4Dra hoy Jesosy taminazy ho: "Rapela, nagnino hanao magnaminahy atiky io? Bo sy avy gny fotoako." 5Dra hoy gny reniny tamireo panopo ho: "Na ino na ino zakany amindrareo, dra atovy zay."6Dra nisy siny vato andesy teo ze piasa amigny andro fisasanigny Jiosy, mahazaka ro hatramigny telo metasy aby. 7Hoy Jesosy tamin'ereo ho: "Fenoy rano gny siny." Dra nifenon'ereo hatramigny sognony zay. 8Nony boak'eo hoy Izy tamireo panopo ho: "Manovoza amizay dra andeso agny amigny topon'andrekisy gny fikaraka." Dra nitaterahin'ereo zay.9Zinakanigny Topon'andrekisigny fikarakara gny rano lasa divay, kanefa sy nahay ze niavian'izay izy (reo panopo ze nanovo gny rano koa nahafatasy). Boak'eo dra nitoka gny pazaka Izy 10dra nizaka taminazy ho: "Gny olon'aby dra mandroso gny divay soa aloha ze vo gny divay moramora gny fa mamo ereo. Fa Handrareo koa nitahiny gny divay soa mandrak'Androany."11Izay gny famatara volohany nataon'i Jesosy tao Kana agny Galilia, dra naneho gny voninahiny Izy, dra nino anazy reo pianany.12Tafaranizay dra nizoso ho a Kapernaony agny Jesosy, gny reniny, reo rahalahiny vo reo pianany dra nizano tao andro visivisy ereo.13Dra fa mariny gny Paska gny Jiosy, dra niakasy ta Jerosalema agny Jesosy. 14Nahita pivarosy agnomby, agnondry vo voromailala tao atepoly izy, nisy panakalo vola koa.15Noho izay dra namboasy karavasy izy dra nandroaky anazy aby hiboaky gny tepoly, na gny agnondry na gny agnomby. Nandraraky gny volan'ireo panakalo vola izy dra nandrobaky gny latabas'ereo. 16Dra hoy izy tamireo pivarosy voromailala ho: "Andeso miboaky lavisy ty toera tihoky reo raha reo. Aoky zay gny fanova gny tragnon-dRako ho tragno fama rota."17Dra saroan'ireo pianany fa voasorasy ho: "Gny firehetako gny amigny tragnonao gny handevo anahy." 18Boak'eo namaly reo lohandohanigny pisoro Jiosy dra nanao taminazy ho: "Ino gny famatara hasehonao anay, mahavy anao manao anireo raha reo?" 19Jesosy namaly ho: "ravao ty tepoly tihoky, fa hasangako agnatinigny telo andro moza zay."20Dra hoy reo panapaky Jiosy ho: "Enina amby efapolo tao gny nagnoregna ty tepoly tihoky, dra hanao ra hahasanga anazy ao agnatinigny telo andro?" 21Kanefa, mombanigny tepolinigny vatany gny nizakany. 22Tafaranigny nisanganany tamigny maty, dra saroan'ireo pianany fa nizaka anizay izy, dra nino gny Sorasy Masy vo ze zaka nizakan'i Jesosy zay ereo.23Dra gny fa ta Jerosalema ao Izy tamigny andro firavoravoanigny Paska, dra maro gny nino gny agnarany gny fa nahita reo famatara ze nataony. 24Fa Jesosy koa sy natoky anereo noho Izy nahafatasy soa anazy aby, 25aokory sy nitalia na iza na iza hitalily aminazy gny mombanigny olo Izy, noho izy nahafatasy gny ao agnatinigny olo.
Chapter 3

1Dra nisy Fariseo raiky atao i Nikodemosy, pitariky Jiosy. 2Nagnato an'i Jesosy tamigny andro hariva io lelahy io dra nizaka taminazy ho: "Raby , fatasay fa papianasy avy amin'Agnahary hanao, akory sy misy mahavita reo famatara ataonao raha sy miaraky aminazy Zagnahary."3Dra namaly anazy Jesosy nanao anizahoky ho: "Zakako amindrareo marina fa raha sy ateraky ndraiky gny olo, dra sy hahita gny fazakan'Agnahary izy." 4Nikodemosy nizaka taminazy ho: "Amigny fomba ino gny hahatateraky gny olo raiky raha fa atisy izy? Sy afaky hilisy fagnindrony ao atrondreniny izy dra hateraky, sa afaky?"5Namaly Jesosy ho: "Zakako aminao mary, fa raha sy nateraky tamigny rano vo gny fagnahy gny zanak'olo, dra sy afaky hilisy ao amigny fazakan'Agnahary izy. 6Izay ateraky gny nofo dra nofo, dra ze ateraky gny Fagnahy dra fagnahy.7Ka gaga amize nizakako hanao ho: 'Sy maisy hateraky ndraiky handrareo.' 8Gny rivosy na eza na eza iriny; renao gny feony, fa sy fatasao ze niaviany na ze andehanany. Manahaky anizay avokoa ze ateraky gny Fagnahy."9Namaly Nikodemosy dra nizaka taminazy ho: "Ino gny fomba hahataterahan'izay raha zay?" 10Jesosy namaly dra nizaka taminazy ho: "Papianasy an'Israely ra hanao dra bo sy azonao avo zay raha zay? 11Zakako aminao, mary fa ze fatasay gny zakanay, dra zahay mitalily gny momba ze hitanay. Kanefa bo sy magneky gny fagnambaranay handrareo.12raha nitalily tamindrareo gny raha tety atany zaho nefa sy tenoandrareo, amigny fomba ino gny hinoandrareo anahy raha hitatara amindrareo gny raha misy agny andagnisy agny zaho? 13Sy nisy niakasy agny andagnisy afa-sy gny nizoso boak'agny avo, dra gny zanak'olo zay.14Dra manahaky gny nanadratan'i Mosesy gny bibilava tagny agnefisy, gny sy maisy hanandrata gny zanak'olo, 15ba hana fiegna mandrakizay ze mino anazy aby.16Fa tena tian'Agnahary izao totolo izao, dra nameny gny zanany lahy toka, ba sy ho levo ze olo mino anazy fa hana fiegna mandrakizay. 17Fa Zagnahary sy nagniraky gny zanadahiny ho amizao totolo izao ba hasiaky anizao totolo izao, fa ba hamezy anizao totolo izao amigny alalany. 18Izay mino anazy dra sy hohelohy, fa ze sy mino koa dra fa voaheloky sahady akory sy nino gny agnaranigny zanadahiny tokan'Agnahary.19Izao gny atonigny fisara: Avy teto amizao totolo izao gny fahazava, nefa dra naleonigny olombelo gny mazava akory rasy reo asa nataony. 20Fa ze manao rasy aby dra malaiky gny mazava dra sy magnato anizay ba sy ho hita miharihary reo asany. 21Kanefa manao gny mary dra magnato gny mazana ba ho hita soa reo asany dra natao arakan'Agnahary."22Tafaranizay dra nandeha tagny Jodia Jesosy vo reo gny pianany tamin'ereo fotoa visy tao niaraky tamin'ereo izy dra nanao batisa. 23Dra Jaona koa nanao batisa ta Ainona agny agnilan'i Saleima akory maro gny rano tagny. Nagnato anazy gny vahoaky dra natao Batisa, 24fa sy bo nalefa agny atragno mezy Jaona.25Boak'eo nisy fifandira tamigny ilany amireo pianas'i Jaona vo gny Jiosy raiky mombanigny andro fisasa. 26Nagnato an'i Jaona ereo dra nizaka taminazy ho: "Raby, gny raiky niaraky taminao ta apitanigny reniranon'i Joridana agny, ze zinakanao, ingo manao batisa izy, dra magnatogna anazy avokoa izy aby."27Dra Jaona namaly ho: "Sy afaky mitakasy na ino na ino gny olo raiky raha sy name anazy boaky agny an-dagnisy zay. 28Handrareo avo dra fa afaky gny vavolombelo amigny zakako ho: 'Sy gny Kristy zaho,' fa koa: 'Nirahiny talohany.'29Gny apekary dra anigny papakasy. Dra gny sakaizanigny papakasy, ze misangana vo mitenoa anazy, dra mifaly nohonigny amigny fahareza gny feonigny papakasy. Izay, dra gny mameno gny hafaliako. 30Sy maisy mitombo Izy, fa izaho koa sy maisy mihena.31Izy ze boak'agny agnabo dra amboninigny raha aby. Izy ze avy eto atany dra avy eto atany dra mizaka mombanigny eto atany. Ze boaky andagnisy agny dra agnabonigny raha aby. 32Izy dra mitalily gny gny momba ze hitany vo reo, kanefa dra sy misy mitakasy gny fagnambarany. 33Ze nitakasy gny fitalilia koa dra nagnamafy fa mary gny Zagnahary.34Fa gny raiky nirahin'Agnahary dra mizaka gny zakan'Agnahary. Akory sy nasiany fetra gny fagnomeza gny Fagnahy. 35Gny baba tia gny zanadahiny dra nametraky gny raha aby teo apela-tagnany. 36Ze mino gny zanadahiny dra mana gny fiegna mandrakizay, fa ze sy makato gny zanadahiny koa dra sy hahita fiegna, fa hahazo fahasiaha amin'Agnahary."
Chapter 4

1Dra gny fa fatas'i Jesosy ho ren'ireo Fariseo fa nahazo vo nanao batisa pianasy maro noho Jaona Izy 2(na dre sy Jesosy vatany aza gny nanao batisa, fa reo pianany), 3dra niala tao Jodia Izy dra nihery nagna Galilia agny ndraiky.4Fa taliavy gny mamakivaky an'i Samaria. 5Dra avy tao amigny tana raiky ao Samaria Izy, atao ho i Sykara, agnilanigny apaha-tany ze nomen'i Jakoba an'i Josefa zanany.6Teo gny fasakan'i Jakoba. Nahasiaro rokaky tamigny liany Jesosy dra nipetraky teo amigny fasaka. Tokony teo amigny ora fahaenina teo. 7Nisy apela samaritana raiky hasaka rano, dra hoy Jesosy taminazy ho: "Ba ameo rano zaho ho nomiko." 8Fa reo pianany fa lasa agny atana ba hivily hany.9Boak'eo hoy gny apela samaritana igny taminazy ho: "Nagnino hanao, ze Jiosy, gny mangataky aminahy, zaho apela samaritana, rano ho nomy?" Fa reo Jiosy sy misy hifandresa amigny Samaritana. 10Fa Jesosy namaly dra nanao taminazy ho: "Raha fatasao gny fagnomezan'Agnahary, vo ze mizaka aminao ho: 'Ameo anahy ho nomiko,' dra hanao ndraiky gny ho nangataky taminazy, dra dra ameny rano velo."11Hoy rapela taminazy ho: "Topoko, hanao dra sy mana fagnovoza dra gny fasaka laliky. ko eza gny hahazoanao rano velo? 12Hanao dra sy lahibe, moa ra, hoy Jakoba razambesika, ze nagnome anay gny fasaka vo nino tamizay gny vatany, manahaky gny nataon'ireo zanany vo reo bibiny?"13Jesosy namaly dra nanao taminazy ho: "Ze olo mino amity rano tihoky dra bo hangetaheta ndraiky, 14fa na iza na iza mino amigny rano ze hameko anazy dra sy hangetaheta mandrakizay. Fa gny rano ze hameko anazy dra ho lasa loharano miboiboiky ao agnatiny, ze minday agny amigny fiegna mandrakizay."15Hoy rapela taminazy ho: "Topoko, ameo anize rano zehoky zaho ba sy hangetaheta vo sy hasaka eto sasy." 16Hoy Jesosy tamin-drapela ho: "Manehana, tokavo gny valinao, dra miheregna atiky."17Namaly gny apela igny dra nizaka taminazy ho: "Sy manambaly zaho." Namaly Jesosy ho: "Mary gny zakanao ho: 'Sy manambaly zaho.' 18fa nanambaly indimy hanao, dra gny raiky ze hipetrahanao amizao dra bo sy valinao. Mary ze voazakanao."19Hoy rapela taminazy ho: "Topoko, hitako fa paminany hanao. 20Reo razasika nivavaky teto amity tendrombohisy tihoky, kanefa handrareo mitalily fa Jerosalema gny toera tokony hivavahanigny olo."21Hoy Jesosy taminazy ho: "Minoa anahy, rapeka, fa ho avy gny andro ze hiderandrareo gny Ray dra sady sy amity antendrohisy tihoky gny sy a Jerosalema. 22Fa handrareo mekohoky amize sy fatandrareo. Izay koa mekohoky amize fatasay, akory gny famozena dra avy amireo Jiosy.23Kanefa, ho avy gny andro, dra avy amizao, gny fa hidera gny Ray amigny fagnahy vo fahamarigna reo tena pivavaky, akory gny Ray dra mitalia olo manahaky anizay ho pidera anazy. 24Zagnahary dra Fagnahy, dra gny olo ze midera anazy dra sy maisy midera amigny fagnahy vo fahamarigna."25hoy gny apela igny taminazy ho: "Fataso fa ho avy gny Mesia (gny atao ho i Kristy). Dra gny fa avy Izy, dra hagnazava amisika gny raha aby." 26Hoy Jesosy taminazy ho: "Izaho ze mizaka aminao, gny izy."27Tamizay fotoa zay dra nihery reo pianany, dra nagnotany tegna ereo ho nagnino izy gny mizaka amigny apela io, fa sy nisy nizaka ho: "Ino gny taliavinao?" na ho: Nagnino hanao gny mizaka aminazy?"28Noho izay dra nagnenga gny sininy rapela, dra nandeha nihery tagny atana. dra nizaka tamigny olo ho: 29"Handeha, hagnety gny lahahy ze nizaka gny vitako aby. Sy ho atana ereo dra nagneo Aminazy.31Nandris'izay, napirisiky anazy reo pianasy, manao ho: "Raby, mihinana." 32Fa hoy Izy tamin'ereo ho: "Izaho dra mana haniko hany ze sy fatandrareo." 33Dra nifapizaka reo pianasy ho: "Sy nisy olo ninday raha ho hany ho anazy, sa ra nisy?"34Hoy Jesosy tamin'ereo ho: "Gny Haniko dra gny manao gny sitrakigny nagniraky anahy dra manao gny asany. 35Moa hanao sy mizaka ho: "Efa-bola sisa dra ho avy gny fararano?' Zakako amindrareo, apagnatio gny masondrareo dra atio gny egny agnahisy, fa masaky vo ho tapahy reo.' 36Ze manapaky dra mitakasy karama vo magnangogna vokasy ho amigny fiegna mandrakizay, dra hiara-paly gny pamafy vo gny piziza.37Fa amizay dra mary gny zaka manao anizahoky ho: 'Gny raiky mamafy, dra gny raiky koa panapaky.' 38Nagniraky andrareo hanapaky ze sy nirokafandrareo zaho. Reo hafa gny nirokaky, dra handrareo gny nilisy teo amize nirokafany."39Maro tamireo samaritana tao amizay tana zay gny nino anazy nohonigny tatisigny apela ze nizaka ho: "Nizakany taminahy avokoa ze nataoko aby." 40Dra gny fa nagnato anazy reo Samaritana, dra nangataky anazy ba hizano hiaraky amin'ereo, dra nizano tao ro andro izy.41Maro gny nino nohonigny zakany. 42Hoy ereo tamin-drapela ho: "Sy noho ze voazakanao sasy gny hinoanay, fa zahay mihisy gny fa nahare, dra fatasy fa izy vatany gny Pamozy an'izao totolo izao."43Tafaran'ireo ro andro reo , dra niala boak'eo Izy nandeha a Galilia agny. 44Fa jesosy mihisy gny nitalily fa gny paminany dra sy manan-daza ao amigny taniny manoka. 45Gny fa avy a Galilia agny Izy, dra nandray anazy reo Galilia. Ereo dra nahita gny raha aby ze nataony tao aJerosalema tamigny andro firavoravoa, akory nandeha tagny amigny andro firavoravoa avo koa ereo.46Dra avy ta Kana a Galilia ao ndraiky izy, toera napoliany gny rano ho divay. Nisy tandapa raiky nanagnanaky lelahy marary tao Kepernaony. 47Gny fa reny fa avy a Jodia agny handeha a Galilia Jesosy, dra nagneo amin'i Jesosy izy dra nangataky taminazy ba hizoso vagnasitrany gny zanany lahy, ze fa ho maty.48Boak'eo Jesosy nizaka taminazy ho: "Raha sy mahita famata vo fahagaga handrareo, sr bo hino mihisy." 49Hoy gny tandapa taminazy ho: "Topoko, mizosoa re melohanigny hafatesanigny zanako." 50Hoy Jesosy taminazy ho: "Mandehana. Velomy gny zanakao." Nino gny zaka nizakan'i Jesosy taminazy ralelahy, dra lasa izy.51Raha igny izy nizoso igny, dra nisena anereo panopony, nizaka fa velo gny zanany. 52Dra nagnotany anereo gny ora ze nagnaretany izy. Namaly anazy ereo ho: "Omaly tamigny ora fahafito nialanigny tazo taminazy."53Fatasigny ray boak'eo fa tamin'io ora io gny nizakan'i Jiosy anazy ho: "Velo gny zanakao." Dra nino gny vatany vo reo akohonany aby. 54Izay gny famatara faharo nataon'i Jesosy tamin'izy niala tao Jodia ho agny Galilia agny.
Chapter 5

1Tafaranizay dra nisy firavoravoanigny Jiosy, dra niakasy ho a Jerosalema agny Jesosy. 2Dra ta Jerosalema agny eo agnilanigny vavahadin'Agnondry, dra nisy farihy, ze nataonigny tamigny Hebreo ho Betesda, dra misy felofa dimy zay. 3Maro reo olo marary, poaky, malemy, na sy afamihesiky nandry tao. (Fagnamariha: Gny atota-taratasy taloha soa dra magnalaky gny fehezateny ho: "Mandigny gny fisehanigny rano"0 4(Fagnamariha: Gny atota-taratasy taloha soa dra mangalaky gny and. 4 ho: "Fa nisy azelinigny Topo raiky nizoso dra napihesiky gny rano ndraiky dre na iza na iza nandroso nagnao gny fa nihesiky gny rano dra sitrany tamireo arety ze naparary anazy na ino na ino.")5Dra nisy lelahy raiky teo ze fa narary valo amby telo-polo tao. 6Gny fa hitan'i Jesosy nandry teo izy, vo tafaranigny nahasapany fa ataony mary izy teo, dra hoy Izy taminazy ho: "Te-ho sitrany ra hanao?"7Namaly gny ralelahy marary ho: "Topoko, sy mana na iza na iza zaho handroboky anahy agnatiny farihy ao gny fa mihesiky gny rano. Gny fa mandeha zaho, dra misy misosoky eo alohako." 8Hoy Jesosy taminazy ho: "Misangana, andeso gny fandrianao, dra mandehana."9Avy hatragny dra sitrany ralelahy, dra nindesiny gny fandriany dra nandeha izy. Dra sabata ze andro zay.10Dra hoy reo Jiosy tamigny sitrany ho: "Sabana gny andro dra sy mahazo minday gny fandrianao hanao." 11Namaly izy ho: "Gny nagnasitra anahy gny nizaka taminahy ho: 'Andeso gny fandrianao dra mandehana."'12Dra nagnotany anazy ereo ho: "Iza gny lelahy nizaka taminao ho: 'Andeso gny fandrianao dra mandehana?" 13Kanefa, gny sitrany sy nahay anazy akory niala moramora Jesosy fa nisy vahoaky teo atoera.14Nony boak'eo, hitan'i Jesosy tao atepoly izy dra hoy Izy taminazy ho: "Ingo, sitrany hanao! Ka manota sasy koa, ba sy hitranga aminao gny raha rasy noho gny teo." 15Boak'eo dra lasa ralelahy dra nitatisy tamireo Jiosy fa Jesosy gny nagnasitrany anazy.16Dra noho reo raha reo dra nagnitriky an'i Jesosy reo Jiosy, satria nanao reo raha reo tamigny Sabata Izy. 17Dra namaly anereo Jesosy ho: "Gny babako dra miasa egny fa na amizao aza, dra miasa." 18Noho izay, dra vo maiky te hamono anazy reo Jiosy sy nohonigny fanirasirany vo Sabata avo, fa gny nitokavany an'Agnahary avo koa ho mitovy amin'Agnahary avo koa ho babany manoka, amano gny vatany ho mitovy amin'Agnahary.19Dra Jesosy namaly anazy reo ho: "Zakako amindrareo mary, dra manao na ino na ino ho anazy, afa-sy ze hitany ataonigny Ray avo, fa na ino na ino ataonigny Ray, dra ataonigny Zanaky koa reo raha reo. 20Fa gny Ray tia gny Zanaky dra naneho anazy gny raha aby ze nataonigny vatany, dra haneho anazy raha lahibe mihoasy noho reo Izy ba ho gaga handrareo.21Fa manahaky gny Ray mananga vo mamelo gny maty, dra manahaky anizay avo koa gny ameloma gny Zanaky ze tiany. 22Fa gny Ray dra sy misara na iza na iza, fa nameny gny zanaky gny fisara aby 23ba hagnazanigny aby gny zanaky manahaky gny hagnazan'ereo gny Ray. Ze sy magnaza gny zanaky dra sy magnaza gny Ray nagniraky anazy.24Zakako amindrareo mary, fa ze mahare gny zakako vo mino ze nagniraky anahy dra mana gny fiegna mandrakizay dra sy ho helohy, fa niala tamigny fahafatesa ho amigny fiegna izy.25Zakako amindarreo mary, fa avy gny ora, dra avy zay amizao, gny fa hahare gny feonigny zanan'Agnahary gny maty, dra ho velo reo ze mahare.26Fa manahky gny Ray mana fiegna ao aminazy, gny nagnomeza gny zanaky avo koa ba hanagnany fiegna ao aminazy, 27dra namenigny Ray fahefa hisara gny zanaky noho izy zanak'olo.28Ka gaga amizay, fa avy gny andro handresanigny olon'aby agny andolo gny feony 29dra hiboaky: reo ze nanao gny soa dra ho agny amigny fisangana ho amigny fiegna, fa reo ze nanao gny rasy koa dra go ho agny amigny fisangana ho amigny fisara.30Sy afaky manao na ino na ino raha Izaho avo. Araky ze reko, gny isarako, dra gny fisarako dra mary akory sy mitalia gny sitrapoko manoka zaho fa gny sitrapon'Izy ze manoka Zaho. 31Raha tokony hitalilia gny mombanigny vatako zaho, dra sy mary gny fitaliliako. 32Misy raiky hafa ze mitalily gny momba anahy, dra fataso fa mary gny fitalilia ze zakany momba anahy.33Nirahy tagny amin'i Jaona handrareo, dra nitalily gny mary izy. 34Kenefa gny fitalilia ze takariko dra sy avy amigny olo. Mizaka anizay raha zay zaho ba mety ho voavozy handrareo. 35Jaona dra nizoro nirehisy vo nagnazava tao amigny fahazavany.36Kenefa gny fagnambarako dra bo lahibe noho gny an'i Jaona, fa reo asa namenigny Ray ho taterahiko , reo asa ze ataoko reo, gny mitalily gny momba anahy fa nirahinigny Ray Zahy. 37Gny Ray nagniraky anahy mihisy gny nitalily anahy, Sy bo nahare gny feony gny nahita gny tarehiny handrareo. 38Dra gny zakany sy ba mitoby ao agnatrehandrareo, akory sy mino gny nirahiny handrareo.39Mitalia gny Sorasy Masy handrareo akory heverindrareo fa ao amireo gny agnarandrareo fiegna mandrakizay, dra reo Sirasy Masy reo avo gny mitalily momba anahy, 40kanefa sy vonona gny hagnato anahy handrareo ba hanagnandrareo fiegna.41Sy mitakasy laza avy amigny olo zaho, 42akory fa sy misy fitiava an'Agnahary ao amindrareo.43Avy amigny agnaranigny babako Zaho, nefa sy resindrareo. Raha misy hafa avy amigny agnarany manoka, dra ho takarindrareo izy. 44Ino gny hinoandrareo, handrareo ze mitakasy laza avy amigny olo-kafa kanefa sy mitalia gny laza ze avy amin'Agnahary toka?45Ka mieriseriky ho Izaho gny hiapanga andrareo agnatrehanigny Ray. Gny raiky miapanga andrareo dra Mosesy, ze nametrahako gny fanatenandrareo. 46Raha nino an'i Mosesy handrareo dra tokony hino anahy, akory nanorasy gny momba anay izy. 47Raha sy mino reo nisoratiny handrareo, dra ataondrareo ino gny hiteno gny zakako?
Chapter 6

1Tafaranigny raha reo, dra Lasa nisaky gny ranomasin'i Galilia Jesosy, atao ranomasin'i Taberiasy. 2Nisy vahoaky maro nagnaraky anazy soa hitan'ereo gny famatara ze nataony tamireo narary. 3Niakasy atendrombohisy Jesosy dra nipetraky tegny niaraky tamireo pianany Izy.4(Dra gny Paska, gny andro firavoravonigny Jiosy, dra fa mariny) 5Gny fa nagnety agnabo Jesosy dra nahita vahoaky maro be nagnaton'Anazy, dra hoy Izy tamin'i Filipo ho: "Eza gny hiviliasika mofo ba hafahan'ereo mihina?" 6(Fa I Jesosy nizaka anizay ba hisapa an'i Filipo, fa fatany ze hataony.)7Dra Filipo namaly Anazy ho: "na dre mofo rozato dinary aza sy ho apy ho anigny sirairay na dre masaiky aby aza ko." 8Raiky tamireo pianasy, Andrea, rahalahin'i Simona Petera, nizaka tamin'i Jesosy ho: 9"Misy lelahy raiky eto mana mofo dimy vo fia ro, fa ino reo manoloa any ty olo maro tahoky?"10Dra Jesosy nizaka ho: "Atovy mipetraky gny olo" (dra feno ahisy teo amigny toera) Dra nipetraky reo olo, teo amigny dimy arivo teo gny isany. 11Boak'eo jesosy nangalaky reo mofo dra gny fa boaky nisaotra, dra nizara anizay tamireo ze nipetraky teo. Manahaky anizay avo koa gny nataony tamigny fia igny, maro araky anizay nitalian'ereo. 12Gny fa visy gny olo, dra hoy Izy tamireo pianany ho: "Avorio ze tavela sy lany, ba sy hisy ho levo."13Dra navorin'ereo ray dra nahafeno vaha ro ambiny folo gny tavelany mofo dimy sisa nanganize nihina. 14Boak'eo, gny fa nahita anizay famatara zay gny olo, dra hoy ereo ho: "Tiky tokony gny paminany avy ho amizao totolo izao zay." 15Gny fa hitan'i Jesosy fa ho avy ereo hangalaky anazy vo hanandrasy anazy amizao ho pazaka, dra nihery tegny atendrombohisy raiky ndraiky Izy.16Gny fa nirava gny andro, dra nilisy tegny amigny ranomasy reo pianany. 17Nagnao agnaty sambo ereo, dra nisaky gny ranomasy ho a Kapernaomy agny. Fa mezy tamizay, dra Jesosy bo sy avy teo amin'ereo avo koa. 18Nisy rivosy fatrasy, dra niha-nahery gny ranomasy.19Gny fa nivoy teo amigny dimy amby ropolo na telopolo stadio teo ereo, dra nahita an'i Jesosy nandeha teo amigny ranomasy dra nagnariny gny sambo, dra natahosy ereo. 20Fa hoy Izy tamin'ereo ho: "Izaho avo tiky! Ka matahosy." 21Boak'eo dra vonona gny hitakasy anazy tao amigny sambokely ereo, dra teo no eo dra avy tegny amigny toera andehanan'ereo gny sambokely igny.22Gny maraindray, hitan'ireo vahoaky ze nisanga tegny apitanigny ranomasy fa sy nisy sambo hafa teo afa-sy gny raiky igny avo, dra Jesosy sy nilisy tao niaraky tamireo pianany fa nandeha raiky niviky gny pianany. 23Kanefa, nisy sambokely maromaro boaky Tiberiasy agny teo agnilanigny toera ze nihinanan'ereo gny mofo gny fa boaky nisaotra gny Topo.24Gny fa hitanigny vahoaky fa sy teo Jesosy na gny pianany, dra nilisy tao agnaty sambo ao ereo dra nagna Kapernaomy egny hitalia an'i Jossosy. 25Gny fa hitan'ereo tegny apitanigny renirano izy, dra hoy ereo taminazy ho: "Raby, ombia hanao gny avy teto?"26Jesosy namaly anereo, nanao anizahoky ho: "Zakako amindrareo mary fa mitalia anahy handrareo, sy nohonigny nahitandrareo famatara, fa nohonigny nihanagnandrareo gny mofo dra visy. 27Ka miasa ho anigny hany maty levo, fa mesa ho anigny hany ze mahary ho anigny fiegna mandrakizay ze hamenigny zakan'Olo andrareo, akory Zagnahary Ray gny nagnisa tombo-kase taminazy."28Boak'eo dra hoy ereo taminazy ho: "Ino gny sy maisy hataonay, ba hanovanay reo asan'Agnahary reo.?" 29Jesosy namaly dra nanao tamin'ereo ho: "Izao gny asan'Agnahary: dra gny hinoandrareo gny ray ze nirahiny.30Dra hoy ereo taminazy ho: "Ino moa gny famatara hataonao, ba hahitanay vo hinoanay anao? Ino gny hanaonao? 31Gny raibeko nihina gny mana tany agnefisy, araky gny voasorasy ho: 'Nameny mofo boaky andagnisy agny ereo hohany."32Boak'eo Jesosy namaly anereo ho: :Zakako amindrareo fa sy Mosesy gny nagnome andrareo gny mofo boaky andagnisy, fa gny Rako gny magnome andrareo gny tena mofo boaky andagnisy agny. 33Akory gny mofon'Agnahary dra gny mizoso boaky andagnisy agny dra magnome fiegna ho an'izao totolo izao." 34Dra hoy ereo taminazy ho: "Topoko, ameo anay mandrakariva ze mofo zay."35Dra hoy Jesosy tamin'ereo ho: "Izaho gny mofonigny fiegna; ze magnato anahy sy ba ho resy sasy, dra ze mino anahy sy hangetaheta sasy. 36Kanefa fa nizakako tamindrareo fa nahita anahy avo handrareo, nefa sy mino. 37Ze olo mino amenigny Rako anahy dra hagnato anahy, dra ze magnato anahy dra sy ba hariako.38Fa nizoso boaky andagnisy agny zaho, sy ba hanao gny sitrapoko manoka, fa gny sitrapon'Izy ze nagniraky Anahy. 39Dra izao gny sitrapon'Izy nagniraky Anahy, dra gny sy hagnirahako ze nameny anahy aby, fa hananga anereo amigny andro farany. 40Akory izao gny sitraponigny Rako, dra gny ba hahazoanigny maro ze mahita gny zanaky vo mino anazy gny fiegna andro farany Izy.41boak'eo nimonomono momna anereo gny Jiosy akory Izy nizaka ho: "Izaho gny mofo nizoso boaka andagnisy agny." 42Dra hoy ereo ho: "Sy gny Jososy zanak'i Josefa ra io, fatasika gny ray amandreniny? Ino seky zakany ho: 'Nizoso boaky andagnisy agny zaho.'43Jesosy namaly dra nanao tamin'ereo ho: "Azanogny gny fimonomonogna eo agnevondrareo. 44Sy misy olo afaky magnato Anahy raha sy gny Ray ze nagniraky anahy gny mitao anazy, dra hasangako izy amigny andro farany. 45Izay dra voasorasy ao amigny bokinigny paminany ho: 'Hapian'Agnahary ereo aby.' Ze nahare vo nianasy tamigny Ray gny magnato Anahy.46Sy nisy nahita gny Ray, afa-sy ze avy amin'Agnahary, izy gny nahita gny Ray. 47Zakako amindrareo mary, fa ze mino gny mana fiegna mandrakizay.48Izaho gny mofonigny fiegna. 49Gny Raibendrareo nihina gny mana tany agnefisy, dra maty ereo.50Tihoky gny mofo nizoso boaky andagnisy agny, ba sy ho maty ze mihina amin'izay. 51Izaho gny mofo velo nizoso boak'agny andagnisy. Raha misy olo mihina amity mofo tihoky, dra ho velo mandrakizay izy. Gny mofo ze hameko gny nofoko ho anigny fiegnan'izao totolo izao."52Niha-ory reo Jiosy dra nanomboky nialy hevisy, nanao anizahoky ho: "Ino gny ahafan'io lelahi io magnomeasika gny nofony ino?" Dra Hoy Jesosy tamin'ereo ho: 53"Zakako amindrareo mary vatany fa raha sy mihina gny nofonigny Zanak'olo handrareo vo mino gny liony, dra sy hana fiegna ao amindrareo.54Na iza na iza mihina gny nofoko vo mino gny lioko dra mana fiegna mandrakizay, dra hasangako izy amigny andro farany. 55Fa gny nofoky gny tena fihina, vo gny lioko gny tena finomy. 56Ze mihina gny nofoko vo mino gny lioko gny mitoby ao aminahy, dra Izaho ao aminazy.57Manahaky gny nagnirahanigny Ray velo anahy, vo manahaky gny hivelomako nohonigny Ray, ze mihina anahy, dra ho velo avo koa nohonigny Aminahy. 58Tihoky gny mofo igny nizoso boaky andagnisy agny, sy manahaky gny Raibe nihina dra maty zay. Ze mihina ty mofo tihoky dra ho velo mandrakizay." 59Fa Jesosy nizaka reo raha reo amigny Synagoga gny fa napianasy tao Kapernaomy Izy.60Dra maro tamireo pianany ze nahare anizay gny nizaka ho: "Fapenara sorasy zao; iza gny afaky hagneky anizay?" 61Jesosy noho Izy nahay tao aminazy fa nimonomono tamizay reo pianany, nizaka anereo ho: "Manafitohy andrareo ra zay io?"62Ko akory raha tokony hahita gny zanak'olo miakasy agny amigny nisy anazy taloha handrareo? 63Gny Fagnahy gny magnome fiegna; gny nofo sy ahazoa na ino na ino. Reo zaka ze nizakako tamindrareo dra fagnahy, dra fiegna reo.64Bo misy ilany amindrareo sy mino." Fa Jesosy fa nahay hatramigny volohany ze sy hino vo ze hamadiky anazy. 65Hoy Izy ho: "Noho izay gny nizakako tamindrareo fa sy misy olo afaky magnato anahy raha sy namenigny Ray Anazy zay."66Noho izay, maro tamireo pianany gny lasa dra sy niara-dia taminazy sasy. 67Dra Hoy Jesosy tamireo ro ambiny folo lahy ho: "Sy tehandeha ra handrareo sa handeha?" 68Dra Simona Petera namaly anazy ho: "Topo ho agny amin'iza moa zahay? Ino gny mana gny zakanigny fiegna mandrakizay, 69dra nino zahay dra magnato ba hahay fa hanao gny Masin'Agnahary."70Hoy Jesosy tamin'ereo ho: "Sy Izaho ra gny nifily andrareo, ro ambiny folo, dra gny raiky amindrareo dra devoly?" 71Dra Jodasy zanak'i Simona Iskariota gny zanany, akory izy, gny raiky amin'izy ro ambiny folo, ze hamadiky an'i Jesosy.
Chapter 7

1Tafaranireo raha reo Jesosy dra nandeha ta Galilia agny, fa sy te-ho a Jodia agny anefa Izy noho reo Jiosy mitalia hagnome anazy. 2Dra fa mariny gny andro firavoravoanigny Jiosy gny Tabernakely.3Noho izay reo rahalahy nizaka taminazy ho: "Mela amity toera tihoky dra mandehana a Jodia agny, ba hafahan'ireo pianasao mahita reo asa ataonao avo koa. 4Sy misy olo mana raha mivony zao raha izy vatany dra te-ho fatasy apahibemaso. raha mana reo raha reo hanao, dra misehoa amin'izao totolo izao."5Fa na reo rahalahy aza sy nino anazy. 6Noho izay Jesosy nizaka anereo ho: "Bo sy avy gny fotoako, fa gny fotoandrareo koa dra vonona lalandava. 7Sy afaky gny halaiky andrareo izao totolo izao, fa izaho gny halany akory mitalily fa rasy reo asany.8Handrareo miakara agny amigny firavoravoa, fa Izaho koa sy handeha amizay akory bo sy avy gny fotoako." 9Tafaranigny nizakany reo raha reo dra nizano ta Galilia ao Izy.10Fa gny fa niakasy tagny amigny firavoravoa reo rahalahiny, dra niakasy tagny avo koa Izy boak'eo, sy nisehoseho fa nivony izy. Nitalia anazy tagny amigny firavoravoa reo Jiosy dra nizaka ho: "Eza Izy?"12Nisy zaka marobe momba anazy teo agnevin'ireo vahoaky. Gny ilany mizaka fa: "Lelahy soa Izy." Gny hafa mizaka ho: "Rasy, mitariky gny vahoaky agny amigny fahavereza Izy." 13Dra sy nisy nahavany nizaka apahibenaso momba anazy nohonigny fatahora reo Jiosy.14Gny fa nisasaky gny firavoravoa, dra niakasy tagny amigny Tepoly Jesosy dra nanomboky napianasy. 15Boak'eo dra gaga reo Jiosy, manao anizahoky ho: "Ino gny hahezan'io lelahy io anizay raha aby zay? Izy sy nandalo fenara mihisy?" 16Jesosy namaly anereo dra nanao anizahoky ho: "Sy anahy gny fapenarako, fa boaky amin'Izy nagniraky anahy.17Raha misy olo mary hanao gny sitrapony, dra hahafatasy momban'io fapenara io izy, na boaky amin'Agnahary zay, na Izaho gny mizaka boaky amigny vatako. 18Na iza na iza mizaka boaky amigny vatany dra mitalia gny voninahisy gny vatany manoka, fa na iza na iza mitalia gny voninahisi'ze nagniraky anazy, dra io olo io gny mary, dra sy misy sy fahamarigna ao aminazy.19Sy namen'i Mosesy andrareo ra gny lalana? Kanefa sy misy amindrareo mitandry gny lalana. Nagnino handrareo tehamono anahy io?" 20Namaly gny vahoaky ho: Hanao dra misy demonia. Iza koa gny tehamono anao io?"21Jesosy namaly dra nizaka anereo ho: "Asa raiky gny nataoko, dra gaga noho izay avokoa handrareo. 22Namen'i Mosesy gny fanapaha handrareo (sy ho avy amin'i Mosesy zay, fa avy amireo raza.) dra amigny Sabata dra manapaky olo handrareo.23Raha amigny Sabata gny anapah gny olo ba sy voadika gny lalan'i Mosesy, dra nagnino handrareo gny ory aminahy raha nagnasitrany olo raiky tamigny Sabata Zaho? 24Ka misara amigny endriky ivelany, fa misara apahamarigna."25Nisy ilany tamireo boaky a Jerosalema agny nizaka ho: "Sy tihoky ra taliavindrareo ho vono io?" 26Atio, mizaka miharihary Izy, dra sy misy mizaka na ino na ino Anazy ereo. Dra ho fatasigny pinday vatany ra fa Izy gny Kristy, sa ino? 27Fa fatasika ho boaky eza lelahy hoky io. Fa gny fa avy gny Kristy, dra sy hisy hahafatasy ho boaky eza Izy."28Boak'eo nikioko fatrasy Jesosy tao atepoly, napianasy dra nizaka ho: "Handrareo dra samby mahafatasy gny vatako dra mahay gny fitiavako. Sy avy nohonigny vatako manoka zaho, fa gny nagniraky anahy dra mary, dra sy fatandrareo Izy. 29fataso Izy akory Izaho dra boaky aminazy dra Izy nagniraky Anahy.30Niezaky gny hanambosy anazy ereo, fa sy nisy nanangatagna taminazy akory bosy avy gny fotoako. 31Kanefa mary tamireo vahoako gny nino anazy, dra hoy ereo ho: "Gny fa avy gny Kristy, moa hanao famatara maro noho gny vitan'io lelahy io ra Izy?" 32Nahare gny vahoaky nibisibiky reo raha momban'i Jesosy reo gny Fariseho dra nagniraky piamby raharaha hanambosy anazy.33Hoy Jesosy boak'eo ho: "Kely sisa gny fotoa hiarahako amindrareo, dra handeha ho amigny nagniraky anahy agny zaho. 34Hitalia anahy handrareo fa sy hahita Anahy; ze handehanako sy ho azondrareo andehana."35Noho izay reo Jiosy dra nifapizaka ho: "Fa handeha ho eza io lelahy io gny sy ho vitasika gny hitalia anazy? Handeha ho agny amireo ze niparitaky nagna amin'i Grika agny dra hagnasy reo Grika ra? 36Dra ino gny dikanigny zaka nizakany ho: 'Hitalia anahy handrareo fa sy hahita anahy; ze handehanako, sy ho azondrareo andehana?"37Dra tamigny farany, andro lahibe amigny firavoravoa, dra nisanga Jesosy dra nizaka fatrasy, manao anizahoky ho: "Raha misy mandetaheta, angao izy hagnato anahy dra hino. 38Ze mino anahy, araky gny voazakanigny Sorasy Masy, dra hikoria boak'ao atrony gny oninigny rano velo.39Fa izao gny zakany mombanigny Fagnahy, reo ze nino anazy gny hitakasy anizay, gny Fagnahy dra bo sy name akory bo sy nahazo voninahisy Jesosy.40Gny ilany tamireo vahoaky, gny fa nahare reo zaka reo, dra nizaka ho: "41Reo hafa nizaka ho: "Tihoky gny Kristy." Fa gny ilany nizaka ho: "Fa angaha Kristy boaky a Galilia agny? 42Sy voazakanigny sorasy masy ra fa Kristy dra ho avy amigny taranak'i Davida dra boaky a Betlehema ao, gny tana ze nisy an'i Davida?"43Dra nisy fizara teo amigny vahoaky noho Izy. 44Gny ilany tamin;ereo te-hanambosy aanzy, fa sy nisy nananga tagny taminazy.45Boak'eo reo piamby raharaha nihery tagny amireo lohanigny pisoro vo reo Fariseho, ze nizaka tamin'ereo ho: " Nagnino handrareo gny sy ninday Anazy?" 46Namaly reo piamby raharaha ho: "Sy bo nisy nizaka manahaky anizay mihisy."47Noho izay reo Fariseho namaly anereo ho: "Voafily avo koa ra handrareo? 48Moa nisy tamireo panapaky ba nino anazy, na tamireo Fariseho? 49Fa reo vahoaky reo dra sy mahay gny lalan voaozo reo."50Nikodemosy (raiky amireo Fariseho, ze avy meloha teo aminazy), nizaka ho: 51"Moa ra gny lalasika misara olo melohanigny handresa anazy dra ahafatara anize nataony?" 52Namaly ereo dra nizaka taminazy ho: "Boaky a Galilia agny koa vasa hanao? Mikaroha dra atio fa sy misy paminany boaky a Galilia agny."53(Fagnamariha: Gny dika zaka taloha soa indrindra dra sy ahita gny Jaona 7: 53-8: 11) [Boak'eo gny sirairay nagnagny atragnony aby.
Chapter 8

1(Fagnamariha: Atio gny fagnamariha momban'i Jaona 7: 53-8: 11ambany eo) nagnagny atendrombohis'Oliva Jesosy. 2Vo maray dra nagnegny atendrombohisy ndraiky izy, dra gny olon'aby nagnato anazy; nipetraky Izy dra napianasy anereo. Reo panora-dalana vo reo Fariseho dra ninday apela raiky trasy nizangazanga. Napetrak'ereo teo agnevon'ereo eo.4(Fagnamariha: Atio gny fagnamariha momban'i Jaona 7: 53-8: 11 ambany eo) Boak'eo hoy ereo taminazy ho: "Ry papianasy o, ty apela tihoky dra trasy teo apizangazanga. 5Dra ao amigny lalana, Mosesy nibaiko anay ba hitora-bato anazy gny olo manahaky anizay; ino gny zakanao momba anazy?" 6Nizakan'ereo hamandriha anazy avo anefa zay ba afahan'ereo hasiaky Anazy, fa Jesosy koa niondriky dra nanorasy tamigny tany tamigny tagnany.7(Fagnamariha: Atio gny fagnamariha momban'i Jaona 7: 53-8: 11ambany eo) Gny fa nametraky fagnotania taminazy hatragny ereo, dra nisanga Izy dra nizaka ereo, dra nisanga Izy nizaka anereo ho: "Ze sy nanota tamindrareo, aoky izy gny hitora-bato anazy volohany." 8Dra niondriky ndraiky Izy, dra nanorasy tamigny tany tamigny tagnany.9(Fagnamariha: Atio gny fagnamariha momban'i Jaona 7: 53-8: 11 ambany eo) Gny fa nahare anizay ereo, dra niala siraidraiky, nanomboky tamigny zokiny indrindra. Dra gny farany dra Jesosy raiky avo sisa tavela teo, niaraky tamigny apela honitorahy igny. 10Nisanga Jesosy dra nizaka taminazy ho: "Rapela, fa lasa eza reo nasiaky taminao reo? Sy misy misy masiaky anao ra?" 11Hoy izy ho: "Sy misy , Topoko." Dra hoy Jesosy ho: "Sy masiaky anao zaho. Mandehana ka manota sasy."]12Nizaka tamin'ereo ndraiky Jesosy manao anizahoky ho: "Izaho gny fahazavan'izao totolo izao; ze magnaraky anahy dra sy handeha amigny mezy fa hana gny fahazavanigny fiegna." 13Hoy reo fariseho taminazy ho: "Hanao dra mizaka gny vatanao; sy mary gny zakanao."14Jesosy namaly dra nanao tamin'ereo ho: "na dre mitalily gny vatako aza zaho, dra mary gny taliliko. Fataso gny nihaviako vo gny lala handehanako, fa handrareo koa sy mahafatasy ze niaviako na ze handehanako. 15Handrareo dra misara araky gny nofo; fa Zaho sy misara na iza na iza. 16Na dre misara aza zaho; dra mary gny fisarako akory sy raiky zaho, fa miaraky amigny Ray ze nagniraky anahy.17Eh, dra ao amigny lalandrareo dra voasorasy fa mary gny fizoroanigny olon-dro vavolombelo. 18Izaho gny mitalily gny vatako, dra gny Ray ze nagniraky gny vatako, dra gny ze nagniraky anahy avo koa dra mitalily Anahy.19Hoy ereo taminazy ho: "Eza gny ranao?" Jesosy namaly ho: "Sy fatandrareo na Izaho na gny rako, raha nahafatasy Anahy handrareo, dra mahafatasy gny rako avo koa." 20Teo agnilanigny fandasahandrakisy Izy gny nizaka anizay zaka zay, raha igny Izy napianasy teo amigny tepoly igny, dra sy nisy nanambosy anazy akory bo sy avy gny ora.21Dra hoy ndraiky Izy tamin'ereo ho: "Handeha zaho; hitalia anahy handrareo dra ho maty amigny fahotandrareo. Ze andehanako, dra sy ho azondrareo handehana." 22Hoy reo Jiosy ho: "Hamono tegna ra Izy? Izay ra gny atony nizakany ho: 'Ze andehanako, dra sy azondrareo handehana?"23Hoy Jesosy tamin'ereo ho: "Boaky ambany etiky handrareo; Izaho koa boaky agnabo agny. Avy amin'izao totolo izao handrareo fa Izaho sy avy amin'izao totolo izao. 24Noho izay, zinakako tamindrareo fa ho maty ao amigny fahotandrareo handrareo. Fa raha sy mino handrareo fa IZAHO GNY IZY, dra ho maty amigny fahotandrareo handrareo."25Noho izay dra hoy ereo taminazy ho: "Iza moa hanao io?" Hoy Jesosy tamin'ereo ho: "Araky ze voazako tamindarreo hatragny ambolohany. 26Mana raha maro ho zaka vo hisara momba andrareo zaho. Kanefa, Izy ze nagniraky anahy dra mary; dra reo raha reo avy taminazy, dra hozakako amin'izao totolo izao." 27Sy azon'ereo anefa fa izy dra nizaka tamin'ereo momba gny Ray.28Hoy Jesosy ho: "Gny fa asandrandrareo gny Zanak'Olo, dra ho fatandrareo fa Izaho gny Izy, dra sy manao na ino na ino ho anahy zaho. Araky gny napenaranigny Ray anahy, gny hizaka reo raha reo. 29Izy ze nagniraky anahy dra miaraky aminahy, dra sy namaly anahy ho irery Izy, noho izaho manao ze akasitrahany mandrakariva." 30Raha nizaka reo raha reo Jesosy, dra maro gny nino Anazy.31Jesosy nizaka tamireo Jiosy ze nino anazy ho: "Raha mitoby amigny zakako handrareo, dra ho tena pianaso; 32dra ho fatandrareo gny mary, dra gny mary hagnafaky andrareo." 33Dra ereo namaly anazy ho: "Taranak'i Abrahama zahay dra sy bo nandevozin'iza na iza hatrizay; ko ino gny hizakanao ho: 'Ho afaky handrareo?'34Jesosy namaly anereo ho: "Zakako amindrareo mary fa reo ze manota dra andevonigny ota. 35Gny andevo dra sy mitoby ao atragno mandrakizay; fa gny zanaky gny mitoby mandrakizay. 36Noho izay, raha gny zanaky gny magnafaky andrareo, dra ho afaky handrareo.37Fataso fa taranak'i Abrahama handrareo; mitalia ze hahafaty anahy akory sy mana toera ao amindrareo gny zakako. 38Mizaka ze hitako niaraky tamigny rako zaho, dra handrareo koa manao ze rendrareo tamigny randrareo.39Namaly ereo dra nizaka taminazy ho: "Abrahama gny ranay." Jesosy nizaka anereo ho: "Raha zanak'i Abrahama handrareo, dra hanao gny asan'i Abrahama. 40Kanefa, amizao handrareo tehamono anahy, ze lelahy nizaka tamindrareo gny mary reko tamin'Agnahary. Abrahama sy nanao anizay. 41Handrareo dra manao gny asanigny randrareo." Hoy ereo taminazy ho: "Sy teraky tamigny fizangazanga zahay; raiky avo gny ranay: Dra i Zagnahary zay.42Jesosy nizaka anereo ho: "Gny Zagnahary gny randrareo, dra tokony ho tia anahy handrareo, akory avy Tamin'Agnahary gny niboahako vo nandehanako atiky; fa sy avy ho azy avo zaho, fa Izy gny nagniraky anahy. 43Nagnino gny sy azondrareo gny zakako? Izay dra sy afaky hagneky gny zakako, gny devoly, dra gny tiandrareo atao dra gny filana ze nataonigny randrareo. pamono olo hatramizay izy dra sy mizoro amigny fahamarigna akory sy misy ao aminazy. Gny fa mavandy Izy, dra gny toetra fanaony avo gny zakany akory pavandy Izy dra ranigny vandy.45Kanefa, akory , mizaka gny mary zaho, dra sy mino handrareo. 46IZa amindrareo gny masiaky anahy amigny fohota? Gny mizaka gny mary Zaho, nagnino gny sy hinoandrareo io? 47Ze avy amin'Agnahary; sy mahare gny zakan'Agnahary; sy mahare anizay handrareo akory sy avy amin'Agnahary."48Namaly reo Jiosy dra nizaka taminazy ho: "Moa ra sy mizaka gny mary zahay fa Samaritana Hanao dra misy demonia?" 49Jesosy namaly ho: "Sy misy demonia zaho, fa magnome voninahisy gny Rako, dra handrareo sy magnome voninahisy Anahy.50Sy mitalia gny voninahisy Zaho; misy raiky mitalia vo mizaka. 51Zakako amindrareo mary fa gny misy mitandry gny zakako, dra sy hahita fahafatesa izy."52Hoy reo Jiosy taminazy ho: "Amizao fatasay fa mana demonia Hanao. Fa maty Abrahama vo reo paminany; kanefa hanao mizaka ho: 'Raha misy mitandry gny zakakao, dra sy hahita fahafatesa mandrakizay izy.' 53Sy lahibe noho gny babany Abrahama ze fa maty Hanao, sa lahibe? Reo pianany avo koa dra maty. Manao gny vatanao ho Iza moa Hanao io?"54Jesosy namaly ho: "Raha makalaza gny vatano zaho, dra sinosino gny voninahiso; gny Babako ze ataondrareo ho zagnahary gny makalaza anahy. 55Sy fatasao Izy, fa Izaho mahafatasy Anazy. Raha mizaka zaho ho: 'Sy mahafatasy anazy Zaho,' dra hanahaky andrareo, pavandy. Kanefa, fataso Izy dra mitandry gny zakany zaho. 56Gny babandrareo dra nifaly nahita gny androko, nahita anizay izy dra faly.57Hoy reo Jiosy taminazy ho: "Bo sy misy dimapo tao hanao, dra ho fa nahita an'i Abrahama ra?" 58Dra hoy Jesosy tamin'ereo ho: "Zakako amindrareo fa talohanigny nahaterahan'i Abrahama, dra Izaho gny Izy." 59Boak'eo dra nangalaky vato hatoraky anazy ereo, fa Fesosy koa niery dra niboaky tepoly.
Chapter 9

1Dra raha nandalo Jesosy, dra nahita lelahy poaky hatramin'izy vo teraky. 2Nagnotany anereo gny pianany ho: "Raby, iza re gny nanota, io lelahy io sa gny ray aman-dreniny, gny niteraky poaky manahaky anizao Izy?"3Jesosy namaly ho: "Sy io lelahy io gny nagnota, na gny ray amandreniny, fa natao izao ba hanehoa aminazy gny asan'Agnahary. 4Sy maisy manao gny asanize nagniraky anahy isika raha bo mazava. Fa ho avy gny hariva ze sy afahan'iza na iza miasa sasy. 5Raha bo eto amin'izao totolo izao zaho, dra Izaho gny fahazavan'izao totolo izao."6Gny fa boaky nizaka anizay Jesosy, dra nandrora tamigny tany, dra nanao feta tamigny rora, dra nanorasy gny fotaky tamigny masonigny lelahy igny. 7Hoy izy taminazy ho: "Mandehana, sasao egny amigny ranonigny Siloama (ze adika ho: nirahy) gny masonao." Dra lasa ralelahy, nana anizay, dra nahita amizay izy.8Dra nifagnotany reo olo pindray rindry tamin-dralelahy vo reo ze nahita anazy nangataky taloha nanao anizahoky ho: "Sy tihoky ra gny lelahy nipetraky nangataky teto igny moa?" 9Gny ilany nanao anizahoky ho: "Izy io." Dra gny hafa nizaka ho: "Sy izy io, fa mitovy aminazy avy." Fa izy koa nanao anizahoky ho: "Izaho tiky."10Hoy ereo taminazy ho: "Ko nagnino hanao nahita koa io?" 11Namaly izy ho: "Gny lelahy atao i Jesosy igny gny nanao feta dra nagnososy fotaky gny masoko dra nizaka taminahy izy ho: 'Mandehana agny a Siloama dra sasao gny masonao.' Dra nandeha zaho vo nanasa gny masoko amizay rano zay, dra nahita." 12Hoy ereo taminazy ho: "Eza izy?" Dra nivaliany ho: "Sy fatako."13Nandesin'ereo teo amigny fariseho gny lelahy nipoaky igny. 14Tamigny anndro Sabata moa gny nanovan'i Jesosy gny feta igny vo napahiratany gny masony. 15Dra nagnotany anazy ndraiky reo Fariseho gny amigny fomba nahiratany. Hoy izy tamin'ereo ho: "Nasiany fety gny masoko, nisasako, dra mahita zaho amizao."16Gny ilany tamireo fariseho nizaka ho: "Sy avy amin'Agnahary ty lelahy tihoky akory sy magnaza gny andro Sabata." Gny hafa nanao anizahoky ho: "Ino gny afahanigny olo panota manao famatara lahibe manahaky anizao?" DRa nisy fizarazara teo amin'ereo. 17Dra nihery nagnotany gny lelahy poaky igny ndraiky ereo ho: "Ino gny hozakanao momba anazy, hatramigny napahiratany gny masonao?" Hoy gny lelahy nipoaky igny ho: "Paminany izy." 18Dra bo sy nino gny momba anazy avo reo Jiosy ho izy dra fa poaky dra nahita raha sy nitoka gny ray aman-dreninigny lelahy nahita ereo.19Nagnotany reo ray aman-dreny ereo ho: "Tihoky ra Zanandrareo atao poaky io?Ko ino gny ahita koa io?" 20Dra nivalian'ireo ray aman-dreniny ereo ho: "Fatanay fa zanakay io sady teraky poaky izy. 21Fe seky gny amigny nahita, sy fatasay, dra ze napahita gny masony, sy fatasay. Agnotanio anazy, fa lahibe izy io. Afaky mizaka ho anigny vatany izy."22Nizaka anizay reo ray aman-dreniny akory natahosy reo Jiosy ereo. Akory fa nifagneky reo Jiosy fa raha misy magneky anazy ho Kristy, dra ho roahy hiala amigny Synagoga izy. 23Nohonigny amizay, gny nizakan'ireo ray aman-dreniny ho: "Fa lahibe izy, Izy gny agnotanio."24Dra nitoka gny lelahy poaky taloha fagnindrony ndraiky ereo dra nizaka taminazy ho: "Omeo voninahisy Zagnahary." 25Boak'eo dra namaly gny lelahy igny ho: "Sy fataso aloha raha panota izy. Gny fatako dra izao: fa poaky zaho taloha, fa amizao zaho fa mahita."26Boak'eo dra hoy ereo taminazy ho: "Fa ino gny nataony taminao? Ino gny fomba napahiratany gny masonao?" 27Dra namaly izy ho: "Fa zinakako tamindrareo, fa sy niteno handrareo! Dra nagnino handrareo te-hiteno anizay ndraiky? Te-ho isanigny pianany avo koa handrareo, sa sy zay?" 28Nagneso anazy ereo dra nizaka ho: "Hanao gny pianany, fa zahay pianas'i Mosesy. 29Fatasay fa nizaka tamin'i Mosesy zagnahary, fa raha ze lelahy zay dra sy fatasay ze niaviany."30Dra namaly gny lelahy igny dra nanao anizahoky amin'ereo ho: "Mahagaga zay, sy fatandrareo ze niaviany, kanefa napahirasy gny masoko Izy. 31Fatasika fa sy miteno reo panota Zagnahary, fa raha misy mazoto mivavaky vo manao gny sitrapony, dra mitenoa anazy Izy.32Hatramigny niatombohan'izao totolo izao dra bo sy re mihisy ho nisy napahirasy gny mason'ize teraky poaky. 33Ko raha sy avy amin'Agnahary zay lelahy zay, dra sy mahefa na ino na ino." 34Dra namaly ereo nanao aminazy ho: "Tena teraky tamigny ota hanao, dra hanao ndraiky ra gny hapianasy anay?" Boak'eo dra niroahin'ereo hiboaky izy.35Ren'i Jesosy fa niroahin'ereo tao amigny Synagoga izy. Dra Izy nahita anazy dra nizaka ho: "Mino gny zanak'Olo ra Hanao?" 36Namaly izy ho: "Iza moa gny Izy, Topo, ba hinoako anazy?" 37Jesosy nizaka taminazy ho: "Fa nahita anazy hanao, dra gny raiky ze mizaka aminao amizao zay." 38Hoy gny lelahy igny ho: "Topo, mino zaho." dra nidera anazy Izy.39Jesosy nizaka ho: "Fa fisara gny nahaviako eto amin'izao totolo izao ba hahita reo ze poaky dra ba ho lasa poaky reo ze mahita." 40Nahare anizay gny ilany tamireo Fariseo ze niaraky taminazy dra nagnotany anazy ho: "Zahay koa ra poaky moa?" 41Fa Jesosy nizaka tamin'ereo ho: "Raha poaky handrareo, dra sy ho nana-keloky, fa handrareo koa amizao mizaka ho: 'Mahita zahay,' dra bo mitoby gny siakindrareo."
Chapter 10

1"Zakako amindrareo mary fa ze sy milisy gny vavahady ho amigny valan'agnondry, fa magnaniky lala hafa, dra pangalaky vo vavahady koa gny piamby angondry soa.3Izy gny vahanigny piamby vavahady. Mahare gny feony gny agnondry, dra izy mitoka gny agnondriny manoka amigny agnarany dra minday anazy miboaky. 4Gny fa namoaky gny anazy aby izy, dra nialoha lala anazy reo, dra magnaraky anazy gny agnondriny, akory mahay gny feony.5Dra sy hagnaraky vshiny ereo fa hienga anazy koa, sy fatany gny feonigny vahiny." 6Jesosy nizaka anizay fagnohara zay tamin'ereo, fe seky sy azon'ereo akory reo raha nizaka tamin'ereo.7Dra hoy ndraiky Jesosy tamin'ereo ho: "Zakako amindrareo mary fa Izaho gny vavahadin'Agnondry. Ze avy talohako dra pangalasy aby, akory sy niteno anereo gny agnondry.9Izaho gny vavahady. Raha misy milisy ao amigny alalako, dra ho voavozy izy hilisy vo hiboaky izy dra hahita gny fihinana. 10Fa gny pangalasy sy avy raha sy hangalasy vo hamono dra handrava. Fa Izaho koa avy ba hanagnan'ereo fiegna dra hanagna anizay maro.11Izaho gny piamby soa. Gny piamby soa dra manolosy gny ainy hamoze gny agnondriny. 12Gny pikarama dra sy piamby vo sy topon'agnondry. Raha nahita amboa mola magnato izy dra hagnenga gny agnondriny dra hienga, dra gny amboaigny hanambosy vo hapienga anereo. 13Mienga izy akory pikarama dra sy midary gny angondriny.14Izaho gny piamby agnondry soa, dra fataso gny anahy, fatany koa zaho. 15Gny Ray mahafatasy Anahy, zaho mahafatasy gny Ray, dra Izaho manolosy gny aiko ho anigny agnondry. 16Mana agnondry hafa sy amity vata tihoky zaho. Sy maisy handesiko avo koa reo, dra ereo hahare feoko ba ho avy lia raiky vo piamby raiky17Izao gny atony hitiavanigny Ray anahy: mahafo manolosy gny aiko zaho ba handresako anizay ndraiky. 18Sy misy mangalaky anizay aminahy, fa gny vatako avo gny manolosy anizay. Mana fahefa hanolosy anizay zaho, dra mana fahefa hangalaky anizay ndraiky koa. Izay lily zay dra azoko boaky amigny Rako."19Nisy fizarazara ndraiky teo amireo Jiosy noho reo zaka reo. 20Maro tamin'ereo gny nizaka ho: "Mana demonia Izy dra very say. Nagnino handrareo miteno anazy io?" 21Gny ilany nizaka fa ho: "Sy fizakanigny olo misy demonia zao. Moa gny demonia afaky mapahirasy gny masonigny Poaky?"22Boak'eo gny fizakanigny fanokagna ta Jerosalema ao. 23Ririny tamizay, Jesosy nisanga teo akiazanigny Tepoly teo amigny felofan'i Solomona. 24Boak'eo nitangorognan'ireo Jiosy Izy dra nizaka taminazy ho: "Mandrak'ombia gny hapisalasalanao anay? Raha hanao gny Kristy, dra zakao miharihary."25Jesosy namaly anereo ho: "Fa nizaka andrareo zaho, fa sy nino handrareo. Reo asa ze ataoko amigny agnaranigny Rako, reo gny nitalily gny mahakasiky anahy. 26Kanefa handrareo sy mino akory ba agnondriko.27Mahare gny feoko gny agnondriko; fataso ereo, dra magnaraky anahy. 28Ameko anereo gny fiegna mandrakizay; dra sy ho maty mandrakizay ereo, dra sy hisy handrobaky anazy eo apelatagnako.29Gny rako ze nagnome anireo anahy, dra lahibe noho gny hafa aby, dra sy misy mahavita mandrobaky anazy eo apelatagnany Ray. 30Izaho vo gny Ray dra raiky avo." 31Boak'eo nangalaky vato ndraiky reo Jiosy hitoraky anahy ndraiky.32Jesosy namaly anereo ho: "Maro gny asa soa nasehoky andrareo boaky tamigny Ray. Ko dra ino tam'io asa io gny hitorahandrareo vato anahy?" 33Namaly namaly anahy reo Jiosy ho: "Sy gny asa soa gny hitarahanay vato anao, fa gny fizaka-rasy, fa hanao olombelo, dra manao gny vatanao ho zagnahary."34Namaly anereo Jesosy ho: "Sy fa voasorasy ao amigny lalandrareo ra ho: "Hoy Zaho ho: "Zagnahary handrareo?" 35Raha nitoka anireo ho zagnahary izy, dra ho an'iza gny niavianigny zakan'Agnahary (dra gny sorasy Masy dra sy azo foagna), 36moa ra gny nihamasininigny Ray gny nirahy ho amin'izao totolo izao gny ataondrareo ho: 'Mizaka rasy Hanao,' noho izay nizaka ho: 'Izaho gny zanan'Agnahary'?37Raha sy manao reo asan'i Rako zaho, dra ka mino anahy. 38Fa raha manao anireo zaho, na dre sy mino anahy handrareo, dra minoa reo asa ba hahafatarandrareo vo hahazoandrareo fa gny Ray dra ato aminahy vo Izaho ao aminy Ray." 39Bo nikasa gny hanambosy anazy ndraiky ereo, fa nienga Izy.40Dra nagnagny an-dafin'i Jordana ndraiky Izy ho agny amigny toera ze nanovan'i Jaona batisa volohany, vo nitoby teo. 41Maro gny olo magnato anazy dra hoy ereo ho: "Jaona sy ba mana famatara, fa gny raha aby nizakan'i Jaona momba io lelahy io dra mary." 42Maro gny olo nino anazy teo.
Chapter 11

1Dra nisy lelahy raiky narary atao ho i Lazarosy zay. Boaky a Betania ao izy, tanan'i Maria vo i Marta rahavaviny. 2Maria gny nagnososy menaky gny tomony tamigny volony, dra Lazarosy anadahiny gny narary.3Reo pirahavavy reo nagniraky olo ho agny amin'i Jesosy agny, nizaka fa ho: "Topo, atio, fa marary gny tianao." 4Gny da ren'i Jesosy zay, dra hoy Izy ho: "Sy fahafatesa gny hiafaran'ty arety tihoky, fa ho fanehoa gny voninahin'i Zagnahary ba hanandrata gny zanan'Agnahary amigny alalanizay."5Jesosy dra tia an'i Marta vo gny rahavaviny vo i Lazarosy. 6Dra gny fa nahare Jesosy fa marary Lazarosy, dra bo nizano ro andro tao amigny toera nisy anazy izy. 7Dra tafaran'izay, dra nizaka tamireo pianasy Izy ho: "Handeha isika ho a Jodia agny ndraiky."8Hoy gny pianasy taminazy ho: "Raby , amin'izao dra mikasa gny hitara-bato anao reo Jiosy, dra bo hihery ho agny ndraiky ra hanao?" 9Dra namaly Jesosy ho: "Sy ro ambiny folo ora ra gny fahazavanigny andro? Raha misy olo mandeha amigny andro mazava, dra sy ho tafatohy izy, akory mahita gny fahazavan'izao totolo izao.10Kanefa raha maneha amigny hariva izy, dra ho tafatohy akory ao aminazy gny fahazava." 11Nizaka reo raha reo Izy, dra tafaran'ireo raha reo, dra hoy Izy tamin'ereo ho: "Tehandry i Lazarosy namasika, fa handeha Zaho ba hafahako mamoha anazy amigny torimaso."12Dra hoy reo Pianasy taminazy ho: "Topo raha tafandry izy, dra ho soa." 13Kanefa Jesosy nizaka gny fahafatesa, feseky niheverin'ereo fa fela-sasasy amigny torimaso gny nizakany. 14Boak'eo Jososy nizaka sotra tamin'ereo ho: "Maty Lazarosy.15Faly zaho, nohonigny amindrareo, fa sy tagny zaho ba hahavy andrareo hino. Handeha sika ho aminazy agny." 16Tomasy, ze atao ho Didymo, dra nizaka tamireo pianasy namany ho: "Handeha koa sika ba hiara-maty amin'i Jesosy."17Gny fa avy Jesosy, dra hitany fa nalevy efas'andro Lazarosy. 18Dra Betania dra fa agnilanigny Jerosalema, eo amigny dimy ambiny folo stadio eo gny elagnelany. 19Maro reo Jiosy avy tao amin'i Marta vo i Maria, ba hapahery anereo nohonigny fahafatesanigny anadahin'ereo. 20Boak'eo i Marta, gny fa nahare fa avy Jesosy, dra nandeha nisena anazy, fa Maria nipetraky atragno ao avo.21Dra nizaka tamin'i Jesosy i Marta ho: "Topo, raha teto hanao, dra sy maty gny anadahiko. 22Nefa na dre amizao aza, dra fataso fa na ino na ino angatahinao amin'Agnahary, dra homeny anao zay." 23Hoy Jesosy taminazy ho: "Gny anadahinao dra hasanga-ko velo ndraiky."24Marta nizaka taminazy ho: "Fataso fa hisanga ndraiky izy amigny fingananigny maty amigny andro farany." 25Dra hoy Jesosy taminazy ho: "Izaho gny fanangana gny maty vo fiegna; ze mino anahy, na dre maty aza dra ho velo; 26dre na iza na iza velo dra mino anahy dra sy ho maty mandrakizay. Mino anizay ra hanao?"27Hoy izy taminazy ho: "Eh, Topo mino zahofa Hanao gny Kristy, zanan'Agnahary, gny ho avy eto amin'izao totolo izao." 28Gny fa voazakany zay, dra nandeha izy nitoka an'i Maria rahavaviny. Hoy izy ho: "Avy gny papianasy dra mitoka anao izy." 29Gny fa ren'i Maria zay, dra nisanga malaky izy dra nagna aminazy egny.30Jesosy bo sy niavy ta atana ao fa bo teo amigny toera nahognan'i Marta taminazy eo avo. 31Noho izay reo Jiosy, ze niaraky taminazy tao atragno vo napahery anazy, gny fa nahita an'i Maria nisanga malaky dra nandeha niboaky, dra nagnaraky anazy, nihevisy fa handeha hitomagny agny amigny lolo izy. 32Gny fa avy teo amigny toera nisy an'i Jesosy i Maria dra nahita anazy, dra nekohoky izy dra nizaka taminazy ho: "Topo, raha teto hanao, dra sy nimaty gny anadahiko."33Gny fa nahita anazy nitomagny Jesosy, dra reo Jiosy niaraky taminazy nitomagny koa, dra naharary gny fagnahiny dra natahosy Izy; 34dra hoy izy ho: "Teza gny nandevognandrareo anazy?" Dra hoy ereo taminazy ho: "Topo, avia dra atio." 35Nitomagny koa i Jesosy.36Boak'eo hoy reo Jiosy ho: "Atio gny habenigny fitiavany an'i Lazarosy!" 37Fa gny ilany tamin'ereo nizaka ho: "Moa ra sy hitanity lelahy tihoky, ze napahirasy gny masonigny poaky, gny manao anizay sy ho nahafaty ty lelahy tihoky koa.?"38Boak'eo ndraiky Jesosy, raha bo voto gny fagnahiny, dra nagnegny amigny lolo. Dra zohy zay, dra misy vato manaro anazy. 39Hoy Jesosy ho: "Alao siteo vato hoky." Marta anabavin'i Lazarosy, maty, nizaka tamin'i Jesosy ho: "Topo, fa membo gny vatany amizao fotoa zao, fa efas'andro zay gny nahafatesany." 40Jesosy nizaka taminazy ho. "Sy fa nizakako anao ra fa, raha nino hanao, dra hitanao gny voninahin'Agnahary?"41Dra nalan'ereo gny vato. Jesosy nanandrasy gny masony dra nizaka ho: "Ray o, misaotra anao Zaho akory niteno Anahy hanao. 42Fataso fa miteno Ahy mandrakariva hanao, fa nohonigny vahoaky mizoromagnodidy anahy gny nizakako anizay, ba hafahan'ereo mino fa Hanao gny nagniraky Anahy."43Gny fa boaky nizaka anizay Izy, dra nitoka tamigny fatrasy ho: "Lazarosy, miboaha!" 44Niboaky izy fa maty igny; nisy fehi-paty gny tombony vo gny tagnany, dra voafehy lamba koa gny vatany. Hoy Jesosy tamin'ereo ho: "Hahao izy dra angao handeha."45Boak'eo mary tamireo Jiosy ze avy tao amin'i Maria vo nahita gny nataon'i Jesosy, dra nino anazy; 46Fa gny ilany tamin'ereo koa lasa nandeha nagnagny amigny Fariseo dra nizaka tamin'ereo gny raha nataon'i Jesosy.47Boak'eo gny lohanigny pisoro vo gny Fariseho namory gny Synedriona niaraky vo nanao anizahoky ho: "aino gny hataosika? Ty lelahy tihoky dra manao famatara maro. 48Raha angasika amin'izao Izy, dra hino anazy gny olon'aby; dra ho avy gny Romana hangalaky gny tanasika vo gny firenesika."49Kanefa, nisy lelahy raiky tamin'ereo, Kaiafa, pisorombe tamizay tao zay, nanao tamin'ereo ho: "Handrareo dra sy mahay na ino na ino. 50Sy mieriserisy handrareo fa soa ho andrareo raha lelahy raiky gny maty ho anigny olo manahaky gny firenena manotolo gny ringa.51Dra ze nizakako dra sy nataony ho anazy avo. Fa noho izy pisorombe tamin'io tao io, dra naminany fa tokony ho maty ho anigny firenena Jesosy; 52dra sy ho anigny firenena avo, fa ba hapiray gny zanan'Agnahary ze niparitaky koa. 53Dra nanomboky tamin'io andro io dra nanao tetiky gny fomba hamonoa an'i Jesosy ereo.54Jesosy sy nandeha niharihary tegny amireo Jiosy sasy, fa niala teo Izy nagna amigny tany agnilanigny efisy ho agny atana atao a Efraima zay. Dra nipetraky tao Izy vo reo pianasy. 55Dra fa mariny gny Pasky gny Jiosy, dra maro tamireo tagny ivelany tana gny niakasy tao a Jerosalema melohanigny Paska ba hagnalio gny vatan'ereo.56Nitalia an'i Jesosy ereo, dra nizoro teo amigny Tepoly nifapizaka ho: "Ino gny eriseretinao? Hoe sy ho avy amigny andro firavoravoa ra Izy?" 57Dra fa nagnome baiko gny lohanigny pisoro vo gny Fariseho da misy mahay gny misy an'i Jesosy, dar tokony mizaka izy ba hanamboran'ereo anahy.
Chapter 12

1Enin'andro melohanigny Paska, dra avy ta Betania ao Jesosy, ze nitobian'i Lazarosy, gny fa nasangan'i Jesosy taminigny maty. 2Dra nanao hany ho anazy ereo, dra i Marta gny nandrosy anereo, fa i Lazarosy koa dra agnisan'ireo niara-nipetraky tamin'i Jesosy teo amigny latabasy. 3Boak'eo Maria nangalaky menaky magnisy litasy raiky vita tamigny narda sarobily, dra nagnososy gny tobok'i Jesosy tamizay, dra namafa gny tombony tamigny volony. Feno gny hagnisigny menaky igny gny atragno ao.4I Jodasy Iskariota, eay tamireo pianasy avo koa, fe hamadiky anazy, nanao anizahoky ho: 5"Nagnino io menakio gny sy avily 300 dinaria dra name gny mahatra?" 6Dra izy nizaka anizay, sy nohonigny fiahiany gny mahatra, fa pangalasy izy: tegny aminazy gny pisy vola dra ho nangalariny ze natao tao.7Jesosy nanao anizahoky ho: "Angao izy ba hita ze hanagnany ho amigny andro hagnandevoza anahy. 8Ho eo amindrareo mandrakariva gny mahatra, fa Izaho koa sy ho eo amindrareo mandrakariva."9Dra nisy vahoaky maro tamireo Jiosy nahay fa eto Jesosy, dra nagnato anereo, sy ho an'i Jesosy raiky avo, fa ba hahita an'i Lazarosy avo koa, nasangan'i Jesosy tamigny maty. 10Reo lohanigny pisoro dra nitetiky niaraky ba hahafahan'ereo manosiky an'i Lazarosy amigny fahafatesa; 11akory noho Izy gny nahavy gny akamaroan'ireo Jiosy handeha nino an'i Jesosy.12Gny maraindray dra vahoaky maro gny avy tamigny andro firavoravoa. Gny fa ren'ereo fa ho avy a Jerosalema ao Jesosy, 13dra nangalaky sapan-drafia ereo dra niboaky vo niseza anazy tamigny toka fatrasy ho: "Hosanna! Sambasy anie gny boaky amigny agnaranigny Topo, gny pazakan'Israely."14Jesosy nahita zana-boriky raiky dra nipetraky ta agnabony eo; 15Araky gny voasorasy ho: "Ka matahosy, ry zanak'apelan'i Ziona; atio, ingo tamy gny pazakandrareo, ze mipetraky eo agnabonigny zana-boriky.16Sy nahazo reo raha reo gny pianany tamigny volohany; fa gny fa namem-boninahisy Jesosy, dra saroan'ereo fa voasorasy momba anazy reo raha reo dra fa nataon'ereo taminazy zay.17Dra reo vahoaky ze niaraky taminazy tamigny nitokany an'i Lazarosy hiboaky gny olo igny vo nananga anazy tamigny maty dra samby nizoro vavolombelo aby. 18Noho izay atony izay avo koa gny nahavy gny vahoaky hisena anazy, akory ren'ereo fa nanao anizay famatara zay Izy. 19Reo Fariseho noho izay nifapizaka ho: "Atio, sy afaky manao na ino na ino handrareo; ingo, magnaraky anazy izao totolo izao."20Dra nisy grika visivisy tamireo ze niakasy hidera agny amigny firavoravoa. 21Nagnagny amin'i Filipo ereo, dra boaky a Betsaida agny a Galilia, dra nagnotany anazy, manao anizahoky ho: "Topoko, ba te-hahita an'i Jesosy zahahy." 22Dra lasa Filipo dra nizaka tamin'i Andrea; dra lasa Andrea niaraky tamin'i Filipo, vo nizaka an'i Jesosy ereo.23Jesosy namaly anereo dra nanao anizahoky ho: "Fa avy gny fotoa hagnomezako voninahisy gny Zanak'Olo. 24Zakako amindrareo mary vatany fa raha sy lasaky amigny tany gny ihimbary dra maty, dra mitoby amigny vatany raiky zay; fa raha maty zay dra hamokasy marobe.25Ze tia gny fiegnany dra hagnary anizay; fa ze malaiky gny fiegnany eto amin'izao totolo izao koa dra hita anizay ho agny amigny fiegna mandrakizay. 26Raha misy manopo anahy, aoky izy hagnaraky anahy; dra ze hitoerako, dra ao avo koa gny hitoeranigny panopoko. Raha misy manopo anahy, dra hagnome voninahisy anazy gny Ray.27Amizao mangorohoro gny fagnahiko dra ino gny tokony ho zakako? 'Ray o, vozeo amity ora tihoky zaho'? Kanefa noho izay atony izay gny nahaviako amin'izao fotoa izao. 28Ray o, hakalazoa gny agnaranao." Boak'eo nisy feo nanako boaky andagnisy agny nanao anizahoky ho: "Fa nakalazako zay dra bo hakalazako ndraiky." 29Dra reo vahoaky nisanga teo vo nahare anizay dra nizaka fa siny kotraky teo. Gny ilany nizaka ho: "Nisy azely nizaka taminazy."30Jessosy namaly dra nizaka ho: "Izay feo zay dra sy avy ho anahy, fa ho andrareo. 31Avy amizao gny fisara an'izao totolo izao: Dra ho roahy gny panapaky anizao totolo izao.32Gny fa hasandrasy hiala amigny tany zaho, dra hitao gny sirairay hagnaraky anahy." 33Nizakany zay ba hanehoa ho karaza fahafatesa manahaky gny ino gny hafatesany.34Reo vahoaky namaly anazy ho: "Renay tamigny lalana fa Kristy dra hizano mandrakizay. Ino gny hafahanao mizaka ho: 'Gny zanak'Olo dra sy maisy hasandrasy?' Iza ra Zank'Olo zay io?" 35Boak'eo Jesosy nizaka anereo ho: "Gny hazava dra bo hiaraky amindrareo mandrisy gny fotoa fohy. Mandehana dieny bo mana hazava, ba sy hafahanigny mezy mialoha andrareo. Ze mandeha amigny mezy dra sy mahay gny lala andehanany. 36Raha bo mana hazava handrareo dra minoa anizay ba ho zanakigny mazava handrareo." Jesosy nizaka reo raha reo dra boak'eo dra sy hita vo niery anereo.37Na dre nanao famatara maro teo agnatrehan'ereo aza Jesosy, dra sy ninoan'ereo. 38ba ho tateraky gny zakan'Isaia paminany, ze nizaka fa ho: "Topo, izy gny nino gny tatisay, vo iza gny nanehoany gny sandrinigny Topo?"39Noho izay atony zay dra sy nino ereo, araky gny voazakan'Isaia hatragny ho: 40"Nipoahiny gny mason'ereo, dra nihamafisiny gny fon'ereo; mifanohisy amizay ereo dra te-hatita amigny mason'ereo dra hahazo amigny fon'ereo, dra hitoliky, vo Izaho hagnasitrany anereo.41Isaia nizaka reo raha reo fa hitany gny voninahis'i Jesosy dra nizaka momba anazy. 42Kanefa na izay aza, dra maro tamireo pazaka gny nino an'i Jesosy; fa noho reo Fariseo reo, dra sy nagneky anizay ereo ba sy ho voasaka ho ao amigny Synagoga. 43Tian'ereo gny fidera boaky amigny olo noho gny fidera avy amin'Agnahary.44Jesosy nitoka fatrasy dra nizaka ho: "Ze raiky mino anahy, ka mino anahy raiky avo fa meraky ze nagniraky anahy koa, 45dra ze raiky mahita anahy dra mahita anazy ze nagniraky anahy.46Izaho dra avy manahaky gny hazava teto amin'izao toto izao, ba sy hitoby ao agnatiny mezy ze mino anahy. 47Raha misy maneho gny zakako nefa sy mitandry anizay, dra sy hisara anazy zaho; akory zaho sy avy hisara anizao totolo izao, fa hagnavosy anizao totolo izao.48Ze manda anahy vo sy mitakasy gny zakaako, dra mana raiky misara anazy. Gny zaka nizakako gny hisara anazy amigny andro farany. 49Fa izaho sy mizaka ho anazy, fa gny Ray ze nagniraky anahy, ze nagnome anahy gny lily amize ho zaka. 50Fataso fa gny liliny dra fiegna mandrakizay, ko zezakako_dra zakako araky ze nizakanigny Ray taminahy."
Chapter 13

1Dra andro melohanigny firavoravoanigny Paska izao. Fatas'i Jesosy fa avy gny ora hialany eto amin'izao totolo izao dra handeha agny amigny Ray. Gny fa nitia gny piara-dia taminazy teto amin'izao totolo izao Izy, dra nitia anereo hatramigny farany. 2Dra gny devoly dra fa nametraky anizao tao asain'i Jodasy Iskariota zanak'i Simona, dra gny hamadiany an'i Jesosy.3Izy dra nahafatasy fa gny raha aby dra fa napetrakinigny Ray teo apelatagnany dra Izy avy amin'Agnahary vo hihery agny amin'Agnahary ndraiky. 4Nisanga Izy teo apihinana dra nangalaky gny akazony ivelany. Boak'eo Izy nangalaky lamba dra nino anizay. 5Boak'eo nandraraky rano tao agnaty siny Izy dra nanomboky nanasa gny tombon'ireo pianany dra namafa anereo tamigny lamba nisalorany.6Nagnato an'i Simona Petera Izy, dra hoy Petera taminazy ho: "Topo hanasa gny tomboko ra hanao io?" 7Jesosy namaly vo nizaka taminazy ho: "Ze ataoko dra bo sy ho azonao gny heviny zao, fa ho azonao avo zay afara agny." 8Hoy Petera taminazy ho: "Sy hanasa gny tomboko mihisy hanao." Jesosy namaly anazy ho: "Raha sy manasa gny tombokao zaho, dra sy mana azara ato aminahy hanao." 9Hoy Simona petera taminazy ho: "Topo, ka gny tomboko avo gny ho sasa, fa gny tagnako vo gny lohako avo koa."10Hoy Jesosy taminazy ho: "Ze fa nandro dra sy mila anizay, afa-sy gny manasa tomboky avo, fa izy dra fa malio tateraky, hanao dra malio, fa sy gny olon'aby." 11(akory fa fatas'i Jesosy ho iza gny hamadiky anazy; izay gny atony nizakany ho: "Sy handrareo aby gny malio.")12Dra gny fa boaky nanasa gny tombon'ereo Jesosy vo nangalaky gny lambany dra nipetraky ndraiky, dra hoy Izy tamin'ereo ho: "Fatandrareo ra gny nataoko ho andrareo? 13Tokavindrareo zaho ho 'papianasy' vo 'Topo', dra mary gny voazakandrareo, fa zay vatany zaho. 14Kanefa raha Izaho, sady Topo gny papianasy, gny nanasa gny tombondrareo, handrareo avo dra tokony hifanasa gny tombondrareo. 15Akory fa nagnome ohasy ho andrareo zaho dra handrareo avo koa handrareo.16Zakako amindrareo mary fa gny panopo dra sy lahibe noho gny Topony, na koa gny pinday hafasy dra sy lahibe noho gny nagniraky anazy. 17Raha fatandrareo reo raha reo, dra ho tahy handrareo raha magnatateraky anizay. 18Sy handrareo aby gny zakako; fataso reo nifiliko__fa izay dra ba hahatateraky gny Sorasy Masy ho: 'Ze mihina gny mofoko dra nanandrasy gny vohotombony hamadiky anahy.'19Zakako amindrareo melo zay hitrangany ba gny fa mitranga zay, dra mety hino handrareo fa Izaho gny Izy. 20Zakako amindrareo mary fa ze mitakasy anizay nirahiko, dra mitakasy anahy, dra ze mitakasy anahy, dra mitakasy anazy ze nagniraky anahy."21Gny fa nizaka anizay Jesosy, dra nangorooro gny fagnahiny. Nitalily Izy dra nizaka ho: "Zakako amindrareo mary vtany fa hisy raiky amindrareo, dra magniry gny hamadiky anahy." 22Nifagnety reo pianany, nagnotany tegna ho iza zay nizakany zay.23Nisy raiky tamireo pianany, ze tian'i Jesosy, nipetraky teo amigny latabasy apitan'i Jesosy. 24Nagnato io pianasy io Simona Petera dra nizaka ho: "Agnotanio anazy ho iza zakany zahoky io." 25Dra nihery niaky tamin'i Jesosy izy dra nizaka ho: "Topo, iza zay io?"26Boak'eo Jesosy namaly ho: "Gny raiky ze hadonako vo hameko ty mofo tihoky." Dra gny fa nilognany gny mofo, dra nameny an'i Jodasy zanak'i Simona Iskariota zay. 27Dra tafaranigny mofo igny, dra nilisy tao aminazy satana, dra hoy Jesosy taminazy ho: "Ze ataonao, atovy malaky zay."28Tamizay reo aby teo andatabasy sy nisy nahay gny atony nizakan'i Jesosy anazy zay. 29Gny ilany nieriserisy ho, fa akory Jodasy gny nita gny kitapom-bola, gny nizakan'i Jesosy taminazy ho: "Vilio gny raha aby taliavisika amigny andro firavoravoa," gny ho tokony hagnome raha ho anigny mahatra izy. 30Raha vo nahare gny mofo Jodasy, dra lasa niboaky nalaky izy. Hariva gny andro tamizay.31Gny fa lasa Jodasy, dra hoy Jesosy ho: "Amizao dra amem-boninahisy gny Zanak'Olo, i Zagnahary dra amem-bonihasy ao aminazy ao. 32Zagnahary dra hagnome voninahisy anazy ao amigny vatany, dra izy hagnome voninahisy anazy hatragny. 33Ry zaza madiniky, fotoa fohy sisa gny hiarahako amindrareo. Hitalia anahy handrareo, dra araky ze nizakako tamigny Jiosy ho: "Ze andehanako, sy azondrareo andehana.' Dra zakako amindrareo koa zay amizao.34Lily vaovao gny ameko andrareo, dra gny hifakatiavandrareo; manahaky gny nitiavako andrareo koa. 35Amizay gny hahafataranigny maro fa pianaso handrareo, gny mifakatia."36Hoy Simona Petera taminazy ho: "Topoko, fa handeha ho eza hanao io?" Namaly Jesosy ho: 'Ze andehanako, dra sy afaky hagnarahandrareo anahy zao, fa hagnaraky handrareo afara agny." 37Dra hoy Petera taminazy ho: "Topo nagnino zaho gny sy afaky magnaraky Anao? Hafoko ho anao Gny aiko," 38Dra namaly Jesosy ho: "Hafonao ho anahy ra gny ainao? Zakako aminao marina fa bo sy hagneno gny akoho dra fa handa anahy itelo hanao."
Chapter 14

1"Ka anga hangorohoro gny fondrareo. Mino an'Agnahary handrareo, dra minoa anahy koa. 2Misy efisy maro ao atragnonigny Rako. Raha toa ka sy izay, dra fa nizaka tamindrareo zaho, fa hagnome toera ho andrareo. 3Raha handeha zaho dra hagnome toera ho andrareo, dra hihery ndraiky zaho dra hitakasy andrareo ato aminahy, dra ze misy anahy dra hisy andrareo koa.4Handrareo mahay ze handehanako." 5Hoy Tomasy tamin'i Jesosy ho: "Topo, sy fatasay gny handehananao, ino gny hahafataranay gny lala?" 6Hoy Jesosy taminazy ho: "Izaho gny lala, fahamarigna, vo fiegna; sy misy magnato gny Ray raha sy amigny alalako. 7Raha nahafatasy anahy handrareo, dra tokony ho nahafatasy gny Rako koa. Manomboky amizao dra fatandrareo Izy dra fa hitandrareo.8Hoy Filipo tamin'i Jesosy ho: "Topo, Asehoy anay gny Ray, dra apy honay zay." 9Hoy Jesosy taminazy ho: "Fa hatry gny ela gny niarahako tamindrareo dra bo sy fatandrareo avo zaho, ry Filipo? Na iza na iza nahita anahy dra nahitagny Ray. Ko ino gny hizakanao ho: 'Atoroy anay gny Ray?10Sy mino ra handrareo fa ao amigny Ray zaho dra gny Ray aminahy? Reo zaka ze nizakako amindrareo dra sy zakako boaky amigny fahefako manoka, fa gny Ray velo ato agnatiko gny manao gny asany. 11Minoa anahy fa Izaho dra ao amigny Ray, dra gny Ray aminahy ato, raha sy zay dra minoa noho reo asa manoka.12Zakako amindrareo mary fa ze mino anahy dra hanao asa ze ataoko, dra hanao asa lahibe noho izao izy fa akory zaho magna amigny Ray. 13Na ino na ino angatahindrareo amigny Agnarako, dra hataoko zay ba hagnomezam-boninahisy gny Ray ao amigny Zanaky. 14Raha misy mangataky raha amigny agnarako handrareo, dra hataoko zay.15Raha tia anahy handrareo, dra hitandry gny liliko, 16dra hivavaky amigny ray zaho, dra hagnome andrareo papahery hafa Iza ba ho eo amindrareo mandrakizay izy__17gny Fagnahinigny fahamarigna. Sy afaky mitakasy anazy izao totolo izao fa akory sy mahita na mahafatasy anazy. Fa handrareo koa mahay anazy, mitoera ao amindrareo izy dra ho ao agnatindrareo.18Sy hamela andrareo ho irery zaho; bo hihery amindrareo atiky zaho. 19Afaky fotoa visy moza dra sy hahita anahy sasy izao totolo izao, fa handrareo mahita anahy. Akory velo zaho, dra ho velo avo koa handrareo. 20Dra amizay andro zay dra ho fatandrareo fa ao amigny Rako zaho, dra handrareo ato aminahy, dra Izaho ao amindrareo koa.21Ze mana reo liliko reo dra mitandry anireo dra izy gny tia anahy, dra ze tia anahy dra ho tianigny Rako koa, dra Izaho hitia anazy vo hiseho amindrareo." 22Hoy Jesosy (sy Iskariota) tamin'i Jesosy ho: "Topo nagnino hanao hiseho aminay fa sy amin'izao totolo izao.?"23Jesosy namaly dra nizaka taminazy ho: "Raha misy olo tia anahy, dra hitandry zakako izy. Hitia anazy gny Rako, dra ho avy aminazy Izahay dra hamboasy gny fitoerany miaraky aminazy. 24Fa ze sy tia anahy dra sy mitandry gny zakako. Gny zaka ze nendrareo dra sy avy aminahy fa avy amigny Rako ze nagniraky anahy.25Fa nizakako tamindrareo reo raha reo, raha bo nizano niaraky tamindarreo zaho. 26Kanefa gny papahery__ gny Fagnahy masy, ze hirahinigny Ray amigny agnarako_izy gny hapianasy andrareo gny raha aby vo hapasiahy ze nizakako tamindrareo aby. 27Fedagna gny hangako ho andrareo; ameko andrareo gny fedagnako. Sy ameko ohasinigny fagnomen'Izao totolo izao zay. Ka anga hangorohoro gny fondrareo, dra ka matahosy.28Fa rendrareo zaho nizaka tamindrareo ho: 'Handeha zaho dra hihery amindrareo agny ndriky.' Raha nitia anahy handrareo, dra tokony hiravorvo akory hagna amigny Rako agny zaho, gny Rako dra lahibe noho Izaho. 29Dra nizakako tamindrareo dieny bo sy mitranga zay, ba hino handrareo, gny fa mitranga zay. 30Sy hizaka maro amindrareo sasy zaho, fa ho avy gny panapaky anizao totolo izao. Sy mana fahefa aminahy izy, 31Fa ba hahafataran'izao totolo izao fa tiako gny Ray, dra ataoko manahaky gny nandidianigny Ray anahy. Handeha hisanga isika dra hiala eto."
Chapter 15

1"Izaho gny neta voloboky, dra gny rako gny pamboly. 2Alany boaky aminahy ato gny sapany gny fa sy mamoa, vo rasagniny gny sapany mamokasy ba hamoa zay.3Fa malio handrareo noho gny hafasy ze nizakako tamindrareo. 4Mitoboha minahy ato, dra Izaho ao amindrareo ao. Manahky gny sapany sy afaky mamokasy amigny vatany raha sy mitoby ao amigny voaloboky zay, dra manahaky anizay koa handrareo, raha sy mitoby aminahy ao.5Izaho gny voloboky, handrareo sapany. Ze mitoby aminahy ao dra Zaho koa aminazy ao, dra mamokasy maro izy, fa raha sy misy anahy dra sy mahefa na ino na ino handrareo. 6Raha misy olo sy mitoby aminahy ao, dra haria manahaky gny sapany izy vo halazo, dra ereo mamory gny sapany dra magnary anizay agny amigny afo, dra maiky io. 7Raha mitoby aminahy ao handrareo, vo mitoby amindrareo ao koa gny zakako, angataho na ino na ino irindrareo, dra hataoko aminadreo zay.8Gny rako dra amem-bininahisy amizao, dra gny hamokarandrareo maro dra ho porofo fa pianaso handrareo. 9Manahaky gny nitiavan'i Ray anahy, gny nitiavako andrareo koa. Mitoboha ao amigny fitiavako./v 10Raha mitandry gny liliko handrareo, dra hitoby amigny fitiavako, manahaky gny nitandremako reo didinigny Rako vo gny nitoerako tamigny fitiavany. 11Nizaka reo raha reo tamindrareo zaho ba ho ao amindrareo gny fifaliako dra ba ho feno gny fifaliandrareo.12Izao gny didiko, dra gny hifakatiavandrareo manahaky gny nitiavako andrareo koa. 13Sy misy mana-pitiava lahibe mihoasy noho izao koa, dra gny manolo sy gny ainy ho an'ireo sakaizany.14Namako handrareo raha manao reo raha andidiako andrareo reo. 15Sy hitoka andrareo ho panopoko sasy zaho, akory panopo dra sy mahafatasy ze ataonigny topony. Tonokako ho namako handrareo, akory gny raha aby ze reko tamigny Rako, dra napahafatasy andrareo.16Sy nifily anahy handrareo, fa Izaho gny nifily andrareo dra nanedry andrareo ba handeha dra hamokasy, vo ba tokony hitoby gny vokasindrareo. Natao zay ba na ino na ino angatahindrareo amigny Ray amigny agnarako, dra homeny andrareo zay. 17Reo raha reo gny andidiako andrareo ba hifakatiavandrareo.18Raha malaiky andrareo izao totolo izao, fataro fa nalaiky anahy izy talohanigny nalegnany anahy. 19Raha avy amin'izao totolo izao handrareo, dra ho tian'izao totolo izao manahaky gny anazy handrareo. Fa sy an'izao totolo izao handrareo dra nifiliko hiala amin'izao totolo izao handrareo.20Sarovy gny zaka nizakako tamindarreo ho: 'Gny panopo dra sy lahibe noho gny Topony.' Raha nagneziky anahy ereo, dra hagneziky andrareo koa; raha nitandry gny zakako ereo, dra hitandry gny andrareo koa. 21Hanao reo raha reo amindrareo ereo nohonigny Agnarako, akory sy fatan'ereo Izy ze nagniraky anahy. 22Raha sy avy vo nizaka tamin'ereo zaho, dra sy ho nanota ereo, fa amizao sy afa-miala amigny fahotany ereo.23Ze malaiky anahy dra malaiky gny Rako koa. 24Raha sy nahavita reo asa ze sy nataonigny olo-kafa teo agnevon'ereo zaho, dra sy ho nana-keloky ereo, fa amizao fa sady hitany vo halany Iazho vo gny Rako. 25Fa izay dra ba hahatateraky gny zaka ze voasorasy ao amigny lalan'ereo ho: 'Malaiky anahy amigny sy misy atony ereo.'26Gny fa ho avy gny papahery__ze hirahiko amindrareo boaky amigny Ray, gny fagnahinigny fahamarigna, ze miboaky boaky amigny Ray__dra hitalily gny momba anahy Izy. 27Handrareo avo koa dra mizoro vavolombelo akory fa niaraky taminahy hatragny ambolohany handrareo.
Chapter 16

1"Nizakako tamindrareo zay raha aby zay ba sy ho solafaky handrareo. 2Ho roahin'ereo ao amigny Synagoga handrareo. Fa avy gny andro gny fa hihevisy ze mamono andrareo aby fa ereo dra manolosy raha soa ho an'Agnahary.3Hataon'ereo zay fa akory sy mahay gny Ray na gny Vatako ereo. 4Nizakako andrareo reo raha reo ba gny fa avy gny oran'ereo, dra ho saroandrareo fa nizakako tamindrareo gny momba anereo. Sy zinakako tamindrareo reo raha reo tagny apiandoha, akory bo teo amindrareo zaho.5Fa amizao ho agny amigny nagniraky Anahy zaho, nefa sy bo nisy nagnotany Anahy handrareo ho: "Handeha ho eza moa hanao io?" 6Fa nizakako tamindrareo reo raha reo, dra alahelo gny nameno gny fondrareo. 7Fa zakako amindrareo soa ho andrareo gny handehanako. Akory sy mandeha zaho, dra sy ho avy amindrareo gny papahery, fa raha mandeha zaho, dra handefa anazy ho amindrareo.8Gny fa avy izy, dra hagnaporofo amin'izao totolo izao ho diso mombanigny fahota, gny fahamarigna, dra mombanigny fisara__9mombanigny fahota gny papahery, akory sy mino anahy ereo; 10mombanigny fahamarigna, akory holy agny amigny Ray zaho, dra sy ho hitandrareo sasy; 11dra mombanigny fisara, akory gny panapaky anizao totolo izao dra nisara.12Mana raha maro hpzaka amindrareo zaho, fa sy ho azondrareo gny hevis'ereo. 13Kanefa, gny fa avy izy, Fagnahiny fahamarigna, dra hitariky andrareo ho amigny fahamarigna aby, akory sy hizaka amigny vatany izy. Fa hizaka ze reny izy, dra hizaka amindrareo reo raha reo ho avy. 14Hagnome voninahisy Anahy izy, akory gny boaky aminazy avo gny hozakako amindrareo koa.15Ze anigny Ray dra Anahy. Noho izay, nizaka Zaho fa gny Fagnahy dra hangalaky amizay zaho dra hizaka anizay amindrareo. 16Afaky fotoa fohy dra sy hahita anahy sasy handrareo, dra afaky fotoa fohy hafa dra hahita Anahy ndraiky handrareo."17Boak'eo gny ilany tamireo pianany nifapizaka ho: "Ino raha zakany amisika zahoky ho: 'Afaky fotoa fohy dra sy hahita Anahy sasy handrareo dra afaky fotoa fohy dra hahita anahy ndraiky handraro,' vo ho: 'Akory ho agny amigny Ray zaho?" 18Noho izay dra ho ereo ho: "Ino seky raha zakany zahoky: 'afaky fotoa fohy'? Sy fatasy gny tiany hozaka.19Hitan'i Jesosy fa te-hagnatany anazy ereo, dra hoy Izy tamin'ereo ho: "Izao ra gny agnotaniandrareo vata, dra gny tiako ho zaka amigny firenena ho: 'Fotoa fohy vo gny sy hahita Anahy sasy handrareo, dra afaky fotoa fohy ndraiky nefa dra hahita anahy hadrareo'?20Zakako amindrareo, mary tokoa fa hitomagny handrareo dra hitaray fa izao totolo izao koa hifaly. Ho feno alahelo handrareo, kanefa ho lasa falifaly zay alahelondrareo zay. 21Gny fa mihesi-zaza gny apela raiky dra malahelo akory avy gny fotoany, fa gny fa teraky koa gny zazakely, dra sy sarosy sasy gny alahelo nohonigny hafaliany fa nisy zazakely teraky eo amizao totolo izao.22Dra malahelo handrareo amizao, kanefa Zaho bo hihao amindrareo ndraiky, dra ho faly gny fondrareo, dra sy hisy hangalaky zay hafaliandrareo zay amindrareo. 23Amizay andro zay dra sy hangataky aminahy na ino na ino handrareo. Zakako amindrareo mary tokoa, raha mangataky na ino na ino amigny Ray amigny agnarako, dra hame andrareo zay. 24Hatramin'izao anefa sy bo nangataky na ino tamigny agnarako handrareo. Mangataha, dra hame handrareo dra ho feno gny hafaliandrareo.25Fa nizakako tamindrareo tamigny fagnohara reo raha reo, fa avy gny ora gny fa sy hizaka amindrareo amigny fagnohara sasy zaho, fa koa nizaka amindrareo mazava gny mombanigny Ray.26Amizay andro zay dra hangataky amigny agnarakohandrareo dra sy hizaka nandrareo Zaho ho hivavaky amigny Ray ho andrareo, 27fa gny ray mihisy gny tia andrareo akory nitia Anahy handrareo dra nino fa avy agny amigny Ray Zaho. 28Boaky amigny Ray zaho, dra avy teto atany. fa hagnenga anizao totolo izao zaho dra ho agny amigny Ray.'29Hoy gny pianany taminazy ho: "Atio amizao hanao mizaka mazava soa dra sy mapiasa fagnohara. 30Fatasay amizao fa mahay gny raha aby hanao, dra sy misy tianao hametraky fagnotania aminao. Noho izay, dra mino zahay fa avy amin'Agnahary magnisy hanao." 31Namaly anereo Jesosy ho: "Mino amizay ra hanao?32Ingo, avy zao gny ora, eh avy vatany, gny fa hiparitaky handrareo, gny sirairay samy agny amigny tragnony aby manoka, dra hangandrareo raiky Zaho. Nefa sy raiky Zaho akory miaraky aminahy gny Ray. 33Fa nizakako tamindrareo reo raha reo ba hana fedagna ato aminahy handrareo. Manan'olo handrareo eto amin'izao totolo izao, nefa mahereza: fa nandresy anizao totolo zao Zaho.
Chapter 17

1Gny fa boaky nizaka reo raha reo Jesosy, dra nanadrasy gny masony ho amigny lagnisy Izy dra nanao anizahoky ho: "Ray o, avy gny fotoa, makalaza gny zanakao ba hakalazanigny Zanaky Anao_ 2Manahaky gny nagnomezanao anazy fahefa amboninigny nofo aby ba hagnomeza fiegna mandrakizay ho anize namenao anazy aby.3Izao gny fiegna mandrakizay: dra gny ahafataran'ereo Anao, gny Zagnahary toka sady mary, dra Izy ze nirahinao, dra Jesosy Kristy. 4Nakalaza anao zaho teto atany. Fa vitako gny asa ze namenao anahy hataoko. 5Amizao ry ray, akalazao miaraky amigny vatanao zaho amigny voninahisy ze nanagnako niaraky taminao talohanigny raharia izao totolo izao.6Napahafatasy gny agnaranao tamigny olo ze namenao anahy boaky amizao totolo izao zaho. Anao reo, dra namenao anahy, vo nitandremany gny zakanao. 7Amizao fatas'ereo fa gny raha aby ze namenao anahy dra boaky aminao, 8nameko anereo avokoa gny zaka ze namenao anahy. Nitakarin'ereo reo dra fatany mary fa boaky taminao zaho, dra nino ereo fa hanao gny nagniraky anahy.9Mivavaky ho anereo zaho. Sy mivavaky ho an'izao totolo izao zaho fa ho anireo ze namenao anahy, noho ereo Anao. 10Gny raha aby ze anahy dra anao, vo ze anao dra anahy, dra hakalaza amireo Zaho. 11Sy amizao totolo izao sasy zaho, fa reo olo reo dra eto amizao totolo zao, dra magnato andrareo zaho. Ray Masy o, Tano amigny agnaranao ze namenao anahy ereo ba hitambasy ho raiky, manahaky gny maha raiky Antsika.12Raha bo teo amin'ereo zaho, dra nihazo anereo tamigny agnaranao, ze namenao anahy. Niaro anereo zaho, dra sy nisy levo na dre raiky aza, afa-sy gny zanaky gny fahavereza avo koa, ba ho tateraky gny Sorasy Masy. 13Dra ho agny aminao zaho, fa mizaka reo raha reo amizao totolo izao zaho ba hahatateraky gny hafaliako ao amin'ereo. 14Fa nameko anereo gny zakanao, dra nakalazan'izao totolo izao ereo sy avy amizao totolo izao, manahaky Anahy sy an'izao totolo izao.15Izaho dra sy mangataky Aminao gny hangalanao anereo amin'izao totolo izao fa gny ba herovanao anereo amigny rasy. 16Ereo dra syan'izao totolo izao, manahaky anahy sy an'izao totolo izao. 17Hamasigno amigny fahamarigna ereo. Fa gny vatanao gny fahamarigna.18Manahaky gny nagnirahanao Zaho ho amin'izao totolo zao, gny nagniraky anereo ho amin'izao totolo izao avo koa. 19Fa nohonigny fitiavako anereo gny nagnamisagnako gny vatako, ba hagnamasy gny vatan'ereo amigny fahamarigna avo koa.20Izaho dra sy mivavaky ho anireo avo, fa ho anireo ze hino anahy amigny alalanigny zakan'ereo koa 21ba ho raiky avo izy aby, manahaky anao, ray ato aminahy, dra Izaho ao aminao. Mivavaky Zaho ba ho ao amisika avo koa ereo ba hinoan'izao totolo izao fa nagniraky Anahy Hanao.22Gny voninahisy ze namenao anahy, dra nameko anereo, ba ho raiky ereo, manahaky gny maha raiky asika. 23Izaho ao amin'ereo, dra hanao ato aminahy__dra ho tana raiky tateraky vatany ereo, ba ho fatas'izao totolo izao fa nagniraky Anahy hanao, dra nitia anereo manahaky gny nitiavanao Anahy.24Ray o, reo ze namenao anahy dra tiako hiaraky aminahy na eza na eza misy anahy, dra hahita gny voninahiso, gny voninahisy ze namenao anahy akory nahita Anahy Hanao talohanigny naharia anizao totolo izao.25Ray mary o, sy nahay Anao izao totolo izao, fa Izaho mahay anao; dra ereo mahay fa nagniraky anahy hanao. 26Napahafatariko anereo gny agnaranao, dra bo ho hapahafatariko anizay ba ho ao amin'ereo gny fitiava ze nitiavanao Anahy, dra Izaho ho ao amin'ereo.
Chapter 18

1Tafaranigny nizakan'i Jesosy reo zaka reo, dra niboaky niaraky tamireo pianany Izy ho egny apita egny amigny lohasan-driaky an'i Kidrona, ze nisy saka nilirany vo reo pianany. 2I Jodasy, ze hamadiky an'i Jesosy, nahafatasy gny toerako koa, akory nandeha matetiky tegny Jesosy vo reo pianany. 3Boak'eo Jodasy, niteraky reo vondro maramila vo reo piamby raharaha ilany boaky amireo lohanigny pisoro vo Fariseho, nandeha tagny niaraky tamigny Fanilo, fagnala dra fitova felia.4Boak'eo Jesosy ze fa nahafatasy gny raha aby hitranga aminazy, nandroso taloha vo nagnotany anereo ho: "Iza gny taliavindrareo io?" 5Namaly anazy ereo ho: "Jesosy boaky a Nazareta." Dra hoy Jesosytamin'ereo ho: "Izaho gny Izy." Jodasy namadiky anazy, dra nisanga niaraky tamireo maramila koa.6Dra gny fa nizaka tamin'ereo Izy ho: "Izaho gny Izy" dra nihemosy ereo dra lavo tamigny tany. 7Boak'eo ndraiky dra nagnotany anereo Izy ho: "Iza gny taliavindrareo?" Dra nizaka ndraiky ereo ho: "Jesosy boaky a Nazareta."8Jesosy namaly ho: "Nizaka andrareo zaho fa Izaho gny Izy. Noho izay gny mitalia anahy handrareo, dra angao tahoky handeha." 9Izay dra ba hahatateraky gny zaka nizakany ho: "Amireo ze namenao anahy, sy nasiako levo na raiky aza."10Boak'eo Simona Petera, nana mesa, namoaky anizay dra nagnisy gny panoponigny pisombe dra nanapaky gny sofiny akavana. Dra Malko gny agnaranigny panopo. 11Hoy Jesosy tamin'i Petera ho: "Aheregno ao amigny tragnony gny mesanao. Sy tokony hino gny kapoaky ze namenigny Ray anahy ra zaho?"12Noho izay reo vondro maramila vo gny kapiteny, dra reo piamby raharahan'ireo Jiosy, dra nanambosy an'i Jesosy dra namehy anazy. 13Nandesin'ireo tagny amin'i Anasy Izy aloha akory izy dra rafozan-dahin'i Kaiafa, ze pisorombe tamin'io tao io. 14Dra Kaiafa dra gny nagnome misy olo raiky maty ho anigny vahoaky.15Nagnaraky an'i Jesosy Simona Petera dra nanao manahaky anizao koa gny pianasy raiky hafa. Dra fatasigny pisorombe zay pianasy zay, dra nilisy niaraky tamin'i Jesosy tao amigny kiazanigny pisorombe izy; 16fa Petera dra nizano tao ivelanigny vavahady. Noho izay gny pianasy hafa, ze fatasy gny pisorombe, dra niboaky nizaka tamigny panopo dra ninday an'i Petera hilisy.17Boak'eo gny panopo apela, piamby gny vavahady, nizaka tamin'i Petera ho: "Hanao koa ra sy raiky amigny pianas'io lelahy ihoky?" Hoy izy ho: "Sy Izy zaho." 18Dra nizano teo reo panopo vo reo piambin'aby, akory nangasiaky gny andro; dra nagnafaky gny vatan'ereo. Petera koa niaraky tamin'ereo, nizoro teo dra nagnafaky gny vatany.19Nagnotany an'i Jesosy momba reo pianany vo gny fapenarany gny pisorombe. 20Jesosy namaly anazy ho: "Nizaka apahibemaso tamin'izao totolo izao zaho. Napianasy mandrakariva tao amigny Synagoga vo tao amigny tepoly Zaho ze nifapitaonanigny Jiosy aby. Sy nisy nizakako tamigny tako. 21Nagnino hanao nagnotany anahy? Agnotanio an'ireo ze nahare anahy momba ze nizakako. Atio reo olo reo dra mahay ze nizakako.22Gny fa boaky nizaka anizay Jesosy, dra nisy raiky tamireo piamby raharaha nizano teo namelaky tehamay an'i Jesosy dra nizaka ho: "Izay ra gny fomba hamalianao gny pisorombe?" 23Jesosy namaly anazy ho: "Raha nizaka raha diso zaho, mizoroa vavolombelo amizay diso zay, fa raha mary, nagnino hanao gny mamaly Anazy?" 24Boak'eo Anasy nandefa anazy mifehy amin'i Kaiafa gny pisorombe.25Dra nisanga Petera dra nagnafana gny vatany. Boak'eo ho reo olo taminazy ho: "Hanao koa ra sy raiky amireo pianany? Nanda anizay izy dra nizaka ho: "Sy izy zaho." 26Raiky tamireo panoponigny pisorombe, havanigny lelahy igny nizeran'i Petera gny sofiny, nizaka ho: "Sy hitako niaraky taminazy tao amigny saka ra hanao?" 27Boak'eo Petera nanda ndraiky, dra nagneno gny akoho igny.28Boak'eo nandesin'ereo boak'ao amin'i Kaiafa hagnagnaty rova agny Jesosy. Bo maraindray be gny andro tamizay, dra ereo dra sy nilisy tao agnaty rova ba sy ho voaloty fa hihina gny Paska. 29Dra niboaky teo amin'ereo i Pilato dra nizaka ho: "Ino gny fiapanga andesindrareo manohisy ty lelahy tihoky?" 30Namaly ereo dra nizaka taminazy ho: "Raha sy panao rasy io lelahy io, dra sy ho natolosay anao."31Noho izay Pilato nizaka tamin'ereo ho: "Handesondrareo izy, dra sarao araky gny lalandrareo." Hoy reo Jiosy taminazy ho: "Sy ara-dalana ho anay gny manolosy olo ho maty." 32Nizaka anizay ereo ba hahatateraky gny zakan'i Jesosy ze nizakany ba hizaka ho karaza fahafatesa manahaky gny ino gny hahafatesany.33Boak'eo nilisy tao agnaty rova ndraiky Pilato dra nitoka an'i Jesosy dra nizaka taminazy ho: "Hanao ra gny pazakanigny Jiosy?" 34Jesosy namaly ho: "Fagnotania avy aponao ra zao io, sa nisy hfa nizaka anao momba anahy?" 35Pilato namaly ho: "Sy Jiosy zaho, sa sy zay?" gny vahoakinao vo reo lohanigny pisoro gny nanolosy anao taminahy ino gny nataonao?"36Jesosy namaly ho: "Gny fazakako dra sy boaky amizao totolo izao. Fa raha bo ao agnatin'izao totolo izao gny fazakako, dra hialy reo panopoko ba sy hanolora anahy amireo Jiosy. Fa amizao gny fazakako dra sy boaky eto." 37Boak'eo i Pilato nizaka taminazy ho: "Pazaka zany hanao io?" Jesosy namaly ho: "Voalazanao fa pazaka zaho. Fa ho amizay tazona zay gny nahaterahako, dra ho amizay atony izay gny niaviako eto amizao totolo izao, ba hizoroako vavolombelo amigny fahamarigna. Reo aby ze anigny fahamarigna dra miteno gny feoko."38Pilato nizaka taminazy ho: "Ino gny atao ho marina?" Gny fa boaky nizaka anizay izy, dra niboaky ndraiky nizaka tamireo Jiosy ho: "Sy mahita heloky amity lelahy tihoky zaho. 39Fa handrareo mana fomba ze hagnafahako olo raiky ho amindrareo amigny Paska. Noho izay tiandrareo ra gny hagnafahako amindrareo gny pazakanigny Jiosy?" 40Boak'eo reo nikioky fatrasy ndraiky ereo dra nizaka ho: "Sy lelahy ihoky, fa Barnabasy." Dra Barnabasy dra pangalasy.
Chapter 19

1Boak'eo nandesin'i Pilato Jesosy dra nizerany. 2Nandrandra satroky silo reo maramila. Natobin'ereo teo amigny lohan'i Jesosy dra napekazo lamba voloparasy anazy. 3Nagnato anazy ereo dra nizaka ho: "Arahaba, ry pazakany Jiosy!" dra nazera anazy ereo.4Boak'eo niboaky ndraiky Pilato dra nizaka tamin'ereo ho: "Ingo, andesiko amindrareo eto ivelany Izy ba hahafatarandrareo fa sy mahita heloky aminazy zaho." 5Dra niboaky Jesosy, nanao gny fehilohany silovo gny lamba voloparasy. Hoy Pilato tamin'ereo ho: "Ingo, ty lelahy tihoky!" 6Gny fa hitanigny lohanigny pisoro vo gny manambonihisy Jesosy, dra nikioky fatrasy ereo vo nizaka ho: "Homboy izy, zerao izy!" Dra hoy Pilato tamin'ereoho: "Alaondrareo izy dra homboy, fa zaho sy mahita heloky aminazy."7Namaly anereo Jiosy ho: "Mana lalana isika, dra araky gny lalana dra tokony ho maty Izy akory mizaka tegna ho Zanan'Agnahary." 8Gny fa rein'i Pilato zay fagnambara zay, dra natahosy izy, 9dra nilisy tao amigny lapa-pazaka ndraiky izy dra nizaka tamin'i Jesosy ho: "Boaky eza gny fevianao?" Sy namaly anazy Jesosy.10Boak'eo Pilato nizaka taminazy ho: "Sy mana manak'avaly aminahy hanao? Sy fatanao ra fa mana fahefa hagnafaky anao zaho?" 11Namaly anazy Jesosy ho: "Sy mana fahefa aminahy hanao raha sy name anao boaky ambony agny zay. Noho izay, izy nanolosy anahy taminao dra mana heloky bebe kokoa."12Tamizay valizaka zay, dra niezaky gny hagnafaky anazy i Pilato, fa nikioky fatrasy reo Jiosy, nanao anizahoky ho: "Raha afahinao io lelahy io, dra sy nama'i Kaisara hanao. Ze manao gny vatany ho pazaka dra manohisy an'i Kaisara aby." 13Gny fa ren'i Pilato reo zaka reo, dra nizaka niboaky Jesosy dra nipetraky teo amigny seza fisara atao "Lapivato" zay, fa amigny zaka Hebreo ho "Gabata."14Dra avy gny andro fagnomagna gny Paska, teo amigny ora faha enina teo. Hoy Pilato tamireo Jiosy ho: "Ingo, gny pazakandrareo!" 15Nikioky fatrasy ereo ho: "Angao izy, angao izy; homboy izy!" Hoy Pilato tamin'ereo ho: "Tokony hagnombo gny pazakandrareo ra zaho?" Namaly reo lohanigny pisoro ho: "Sy mana pazaka akosin'i Kaisara zahay." 16Boak'eo dra natolos'i Pilato anereo ho hombo Jesosy.17Boak'eo nalan'ereo Jesosy, dra nandeha niboaky izy, nitarazo gny hazo fizalia, ho amigny toera atao ho: "Toeranigny karandoha zay," Amigny Hebreo atao ho "Golgota." 18Nihombon'ireo tagny Jesosy, dra nisy lelahy ro hafa niaraky taminazy, agnilany agnilany, dra Jesosy agnevo eo.19Nanorasy famatara avo koa Pilato dra nametraky anizay teo amigny hazofizalia. Izao gny voasorasy teo: JESOSY BOAKYANAZARETA AGNY, GNY PAZAKANIGNY JIOSY. 20Maro tamireo Jiosy gny namaky anizay famatara zay akory sy lavisy gny tana gny misy gny toera nagnomboa an'i Jesosy io. Gny famatara dra nisoraty tamigny Hebreo, Latina, vo Grika.21Boak'eo hoy reo lohonigny pisoronigny Jiosy tamin'i Pilato ho: "Ka soraty ho: 'Gny pazakanigny Jiosy,' fa aleo ho: 'Ty raiky tihoky nizaka fa: "Izaho gny pazakanigny Jiosy."' 22Dra namaly Pilato ho: "Ze voasorasy dra voasorasy."23Gny fa nihombon'ireo maramila Jesosy, dra nalan'ereo gny lambany, dra nizaran'ereo efasy, dra samby mana raiky isany ereo; dra gny akazo igny koa. Dra sy misy gny akazo igny, fa tehy raiky avo. 24Boak'eo nifapizaka ereo ho: "Aleo sy triatisika tiky, fa aleo ilokasika dra hohita ze mahazo anazy." Nitranga zay ba hahatateraky gny Sorasy Masy mizaka fa: "Nifapizaran'ereo gny lambako dra nilokany gny akazoko." Izay gny nataon'ireo maramila.25Dra nizoro teo agnilanigny hazofizalian'i Jesosy gny reniny, gny rahavavin-dreniny, Maria valin'i Klopa, dra Maria Magdalena. 26Gny fa nahita gny reniny vo reo pianasy tiany nisanga agnilany ei Jesosy, dra nizaka tamigny reniny Izy ho: "Rapela, ingo gny zanadahinao!" 27Boak'eo hoy Izy tamigny pianasy ho: "Ingo, gny renindrareo!" Dra tamizay ora zay dra nalanigny pianasy ho aminazy agny izy.28Tafaranizay, gny fa nahafatasy fa vita gny raha aby dra ba ho tateraky gny Sorasy Masy, dra hoy Jesosy ho: "Mangetaheta Zaho." 29Dra nisy tovolahy feno divay marikivy nipetraky teo amin'io toera io, dra nasian'ereo divay marikivy gny sipozy dra nifaheny tamigny Hysopa dra napetapetany tamigny vavany. 30Gny fa nino gny Jesosy, dra hoy Izy ho: "Fa vita." Niondriky izy dra niala gny fagnahiny.31Akory andronigny fiomana tamizay, dra ba sy hizanogna eo amigny hazofizalia mandrisy gny Sabata (akory gny sabata dra andro manan-daza manoka) reo vata-mangasiaky, dra nangataky tamin'i Pilato vo reo Jiosy boak'eo, gny ba hanapaha gny tombok'ereo dra hanay anereo. 32Boak'eo nagnato reo maramila dra nanapaky gny tombokigny lelahy volohany igny vo gny faha ro niaraky tamin'i Jesosy. 33Gny fa nagnato an'i Jesosy ereo, dra nahita fa maty izy, dra sy nitapahin'ereo gny tombony.34ZKanefa, nisy maramila raiky nanindro gny lanivoany tamigny lefo, avy hatragny dra nisy lio vo rano niraraky. 35Gny raiky ze nahita anizay dra nizoro vavolombelo, dra mary gny fagnambarany. Famata fa mary ze nizakany ba hanohera avo koa.36Fa reo raha reo gny nitranga ba hahateraky gny Sorasy masy ho: "Sy hisy ho tapaky na dre raiky gny tolany." 37Dra bo, misy sorasy Masy hafa mizaka ho: "Ereo dra hagnety ze nilefognin'ereo."38Tafaranireo raha reo, Josefa niavy ta Arimatia ao, hatramigny naha-pianas'i Jososy anazy (fa tao amigny mingikingiky nohonigny fatahora reo Jiosy), nagnotany an'i Pilato vasa afaky mangalaky gny vatan'i Jesosy izy. Namen'i Pilato lala izy. Dra nalany Josefa gny vata mangasiak'i Jesosy. 39Avy tagny avo koa Nikodemosy, izy dra voalahany hagnety an'i Jesosy gny harivanigny. Dra ninday menaky magnisy vo botela izy, teo amigny zato litasy teo gny farany.40Dra nitakarin'ereo gny vatan'i Jesosy dra namogno anizay tamigny lamba-paty vo raha magnisy, araky gny fomba fandevegna Jiosy. 41Dra teo amigny toera nagnomboa anazy dra nisy lolo vaovao bo sy nandevegnan'olo ndraiky. 42Akory andronigny fiomagnan'ireo Jiosy tamizay kory agny lanigny lolo eo, dra nalevin'ereo tao Jesosy.
Chapter 20

1Dra vo marainigny andro volohanigny harignandro, raha bo mezy igny, dra nagnegny amigny lolo Maria Magdalenina dra nahita gny vato fa nige lavisy gny lolo izy. 2Noho izay dra nilomay izy dra nagnato an'i Simona Petera vo gny pianasy hafa ze tian'i Jesosy, dra hoy izy tamin'ereo ho: "Nalan'ereo tao amigny lolo gny Topo, dra sy fatasy ze nametrahan'ereo Anazy."3Boak'eo nandeha niboaky Petera vo gny pianasy hafa, dra nagnagny amigny lolo ereo. 4Samby nilomay ereo, dra nilomay pianasy hafa malaky Petera dra izy gny avy voloha tegny amigny lolo. 5Boak'eo niondriky izy, dra nahita gny lamba-paty nipetraky teo, fa sy bo nino tao agnatiny izy.6Avy tafarany boak'eo Simona Petera dra nilisy tao andolo. Hitany nipetraky teo gny lamba-paty 7vo gny lamba natao tegny amigny lohany. Sy niara-nipetraky tamigny lamba-paty anefa gny izy fa nivaliky hoazy teo amigny toerany.8Boak'eo gny pianasy raiky hafa, gny raiky avy volohany teo amigny lolo, nilisy tao agnatiny koa, dra nahita vo nino izy. 9Fa hatram'io fatoa io ereo dra sy bo nahafatasy gny Sorasy Masy avo fa izy dra sy izy dra sy maisy hisanga amigny maty. 10Dra nihery ta atragnony agny ndraiky reo pianasy.11Fa Maria dra nizoro nitomagny teo ivelanigny olo. Izy nitomagny igny, dra niondry tao amigny lolo. 12Nahita azely ro mikezo lamba fosy nipetraky izy, gny raiky teo amigny toera nametra gny vatan'i Jesosy. 13Hoy ereo tamigny ho: "Rapela, nagnigno hanao tomagny io?" Hoy izy tamin'ereo ho: "Akory nandesin'ereo gny Topoko, dra sy fataso ze nametrahan'ereo anazy."14Gny fa boaky nizaka izy, dra nitoliky dra nahita an'i Jesosy nisanga teo, fa sy fatany anefa ho i Jesosy io. 15Hoy Jesosy taminazy ho: "Rapeka, Nagnino hanao tomagny io? Fa iza atianao io?" Niheveriny fa gny piamby anefa Izy, dra hoy Izy tamigny ho: "Topoko, raha hanao gny nangalaky, dra zakao aminahy gny nametrahanao anazy, fa halako agny Izy."16Hoy Jesosy taminazy ho: "Maria." Nitoliky izy, dra nizaka taminazy tamigny zaka Hebreo ho: "Rabony" (midika ho: "papianasy.") 17Hoy Jesosy taminazy ho: "Ka mikasiky anahy, fa sy bo niakasy tamy babako agny zaho, fa mandehana agny amireo rahalahiko dra zakao anereo fa hiakasy amigny babako agny zaho, dra gny Zagnahariko vo zagnaharindrareo." 18Nandeha Maria Magdalenina dra nizaka reo pianasy ho: "Nahita gny Topozaho," dra raha reo gny nizakany taminazy.19Dra hariva tamizay, tamin'io andro io, andro volohanigny herignandro, dra reo vatrangara ze nisy reo pianasy, dra nihily noho gny fatahora gny Jiosy, nagnato Jesosy dra nizoro teo agnevon'ereo dra nizaka anereo ho: "Fedagna ho andrareo." 20Gny fa boaky nizaka anizay Izy, dra nasehony anereo gny tagnany vo gny lanivoany. Faly reo pianasy gny fa nahita gny Topo.21Boak'eo Jesosy nizaka anereo ho: "Fedagna ho andrareo. Manahaky gny nagnirahanigny Ray anahy, gny hagnirahako andrareo koa." 22Gny fa boaky nizaka anizay Jesosy, dra nisioky gny fofon'ay tamin'ereo dra nizaka anereo ho: "Takaro gny fagnahy mary. 23Na helok'iza na helik'iza avelandrareo, dra ho voavela ereo; ary na an'iza na an'iza sy avelandrareo, dra sy avelandrareo ereo.24Tomasy, raiky tamireo ro ambiny folo lahy, natao ho i Didymo, dra sy niaraky tamin'ereo gny fa avy Jesosy. 25Reo piansy hafa boak'eo nizaka taminazy ho: "Hitanay gny Topo." Hoy izy tamin'ereo ho: "Raha sy hitako egny amigny tagnany gny loakigny fasiby , dra mametraky gny rasa-tagnako ao agnatinigny loakigny fasiby zaho, dra mametraky gny tagnako eo amigny laliny, dra sy hino zaho."26Valo andro tafara atiky dra tao ndraiky reo pianany, dra niaraky tamin'ereo Tomasy. Nagnato Jesosy raha nihily gny vatrangara, dra nizoro niaraky teo amin'ereo, dra nizaka ho: "Fedagna hoandrareo." 27Boak'eo nizaka an'i Tomasy izy ho: "Magnatogna etiky miaraky amigny tagnanao dra apetraho eto amigny agnovoako zay. Ka kely finoa, fa minoa."28Tomasy namaly dra nizaka anazy ho: "Topoko vo Zagnahariko." 29Hoy Jesosy taminazy ho: "Akory nahita anahy hanao, dra nino. Sambasy reo ze sy nahita, nefa mino.30Amizao Jesosy dra nanao famatara maro hafa teo agnatrehan'ireo pianany, famatara ze sy voasorasy tao agnatity boky tihoky, 31fa voasorasy ba hafahandrareo mino fa Jesosy gny Kristy, gny zanan'Agnahary, dra gny fa mino anazy handrareo, dra hahazo gny fiegna amigny agnarany.
Chapter 21

1Tafaran'ireo raha reo Jesosy dra niseho tamireo pinasy ndraiky teo amigny ranomasin'i Tiberiasy. Manahaky anizao gny fomba nisehoany: 2Simona Petera dra niaraky tamin'i Tomasy ze atao ho i Didymo, Natanaela boaky a Kana agny Galilia, reo zanak'i Zebedio, dra pianas'i Jesosy ro hafa. 3Hoy Simona Petera tamin'ereo ho: "Handeha hagnarato zaho." Dra hoy ereo taminazy ho: "Zahay, koa, handeha hiaraky aminao." Dra lasa ereo dra nilisy tao asambokely ao, fa sy nahazo na ino na ino ereo nandrisy gny hariva.4Dra raha fa mangiran-drasy sahady gny andro, nizoro teo andranomasy Jesosy, fa sy fatan'ireo pianasy ho Jesosy io. 5Dra hoy Jesosy tamin'ereo ho: "Ry tovolahy sy mana-kohany ra handrareo io?" Namaly anazy ereo ho: "Aha." 6Hoy izy tamin'ereo ho: "Ario eo amigny sisiny akavannanigny sambo gny haratondrareo, dra hahazo handrareo." Dra nataon'ereo gny haraton'ereo dra sy nahavita napiakasy anizay tao nohonigny hamarony gny hazandrano ereo.7Boak'eo gny pianasy ze tian'i Jesosy tamin'i Petera ho: "Gny Topo Io." Gny fa ren'i Simona Petera fa gny Topo op, dra napilisy gny ambonin'akazony izy (Akory sy nekazo izy) Dra nidikosy tao agnaty ranomasy. 8Reo pianasy hafa nagnao asambo (akory ereo sy lavisy gny roanga, teo amigny rozatohakiho teo), dra nisito gny harato feno hazandrano. 9Gny fa tafiakasy androanga ereo, dra nahita afon'ary ereo tegny dra hazandrano teo amboniny, miaraky amigny mofo.10Hoy Jesosy tamin'ereo ho: "Mindesa hazandrano maromaro amireo vo azondrareo teo." 11Dra niakasy Simona Petera dra nanito androanga gny haratony, feno fia bevety io; 153. tena maro be, kanefa sy nitriasy gny harato igny.12Hoy Jesosy tamin'ereo ho: "Avia hihina maraindray."Sy nisy tamireo pianasy nahavany nagnotany anazy ho: "Iza moa hanao io?" Fatas'ereo fa gny Topo io. 13Nagnato Jesosy, nitakasy gny mofo, dra nagnome anizay anereo, manahaky anizay koa gny fia. 14Fagnitelony amin'io gny nisehoan'i Jesosy tamireo pianasy tafaranigny nisanganany tamigny maty.15Gny fa boaky nihina gny hany maraindraray igny ereo, dra hoy Jesosy tamin'i Simona Petera ho: "Simona zanak'i Jaona, tia Anahy mihoasy noho ereo ra hanao?" Hoy Petera tamianzy ho: "E ry Topo , fatasao fa tia anao zaho." Hoy Jesosy taminazy ho: " Fahano reo agnondrinao." 16Nizaka taminazy fagnindrony ndraiky izy ho: "Simona zanak'i Jaona, tia anahy ra hanao io?" Hoy Petera taminazy ho: "E ry Topo, fatasao fa tia anao zaho." Hoy Jesosy taminazy ho: "Karakarao gny agnondriko.17Nizaka taminazy fagnitelony izy ho: "Simona, zanak'i Jaona, tia anahy ra hanao io?" Dra namaly i Petera akory Jesosy nanao gny telo taminazy ho: "Tia anahy ra hanao io?" Dra hoy izy taminazy ho: "Topo, Hanao mahay gny raha aby, fatasao fa tia anao zaho." Hoy Jesosy taminazy ho: "Fahano gny agnondriko." 18Zakako aminao mary tokoa fa bo tanora hanao dra zara nangalaky reo akazonao vo nandeha tamize tianao, fa gny fa niha-atisy hanao, dra hagnizisy gny tagnanao, dra olo-kafa gny hapekazo anao vo hinday anao amize sy tianao andehana.19Dra Jesosy nizaka anizay ba hahafatara ho amigny karaza fahafatesa manahaky gny ino gny hagnomezan'i Petera voninahisy an'Agnahary. Gny fa boaky nizaka anizay Izy, dra hoy Izy tamin'i Petera ho: "Magnaraha Anahy."20Nitoliky Petera dra nahita gny pianasy ze tian'i Jesosy nagnaraky anereo, gny raiky niaky apitan'i Jesosy avo koa tao amigny fihinana dra nanao anizahoky ho: "Topo, iza gny hamadiky anao io?" 21Nahita anazy Petera dra hoy izy boak'eo tamin'i Jesosy ho: "Topo, ino gny hataon'io lalahy io?"22Hoy Jesosy taminazy ho: "Raha tiako hitoby izy mandra-piaviako, dra midika ino izay amindrareo? Magnaraha anahy." 23Dra niparitaky teo amireo pirahalahy zay zaka zay, fa sy ho maty io pianasy io. Nefa Jesosy sy nizaka tamin'i Petera fa sy ho maty gny pianasy hafa, fa ho : "Raha tiako hitoby izy mandra-piaviko, dra midika ino izay amindrareo?"24Izy gny pianasy nizoro vavolombelo momba reo raha reo, vo gny nanorasy reo raha reo, dra fatasika fa mary gny fizakany. 25Misy raha maro hafa koa ze nataon'i Jesosy. Raha voasorasy sirairay aby zay, dra haheriko fa na dre izao totolo izao aza sy ho omby gny boky ze ho soraty.

Acts

Chapter 1

1Gny Boky nisoratiko taloha, ry Teofilo, dra magnambara ze natombok'i Jesosy vo napenariny, 2hatramigny andro napekara anazy, boak'eo dra nandidy reo Apostoly ze nifiliny tamigny alalanigny Fagnahy Masy Izy. 3Tafaranigny nizaliany, dra naneho gny vatany velo tamin'ereo Izy niaraky tamireo porofo mandresy lahasy maro. NIseho tamin'ereo Izy nandrisy gny efapolo andro, dra nizaka momba gny fazakan'Agnahary.4Gny fa nihao niaraky tamin'ereo Izy, dra nandidy anereo sy hiala ao Jerosalema, fa handigny gny fapanatenanigny Ray, momba ze, nizakany ho: "Nahare taminahy handrareo 5fa nanao batisa tamigny rano vatany i Jaona, fa handrareo dra tokony hatao batisa amigny Fagnahy Masy ao agnatinigny andro siapy."6Gny fa tafavory niaraky ereo dra nagnotany anazy ereo ho: "Topo, Izao ra gny fotoa hemeregnanao gny fazaka ho an'Israely/" 7Hoy Izy tamin'ereo ho: "Sy handrareo gny hahafatasy gny fotoa na reo vanin'andro ze nizakany Ray tamigny fahefany manoka. 8Fa gny fa avy koa gny Fagnahy Masy dra hahazo hery handrareo, dra ho lasa vavolombelo eranigny Jerosalema vo i Jodia ray manotolo dra Samaria, vo hatragny aparatany."9Gny fa nizaka anizay raha zay i Jesosy Topo, dra niandrandra ereo, nakary Izy, dra gny raho nanako Anazy teo amason'ereo. 10Raha bo nibazy gny lagnisy igny ereo tamigny nandehanany, tapoky teo, nisy rolahy nekazo fosy nisanga teo agnilan'ereo. 11Nizaka ereo ho: "Ry lelahy boaky a Galilia agny, magnino handrareo misanga eto magnety gny lagnisy? Igny Jesosy nala tamindrareo ze napekary agny andagnisy igny, dra hihery manahaky gny nahitandrareo anazy niakasy agny andagnisy teo igny.12Boak'eo ereo dra nihery tagny Jerosalema boak'ao amigny tendrombohis'Olova, ze eo agnilanigny Jerosalema, mitovy amigny lianigny andro Sabata raiky. 13Gny fa avy ereo, dra niakasy tao amigny efisy ambony riha, ze nitoeran'ereo. Izy dra i Petera, Jaona, Jakoba, Andrea, Filipo, Tomasy, Bartolomeo, Matio, Jakoba zanak'i Alifeo, Simona Zelota, dra Jodasy zanak'i Jakoba. 14Nitambasy ho raiky izy aby, dra nazoto nivavaky. Agnisanizay reo apela, Maria renin'i Jesosy, vo reo rahalahiny.15Tamizay andro zay i Petera dra nisanga teo agnevon'ireo rahalahiny, eo amigny olo 120eo, dra nizaka ho: 16: "Ry rahalahy, tena nitaliavy gny fahataterahanigny Sorasy Masy, ze zinakanigny Fagnahy Masy meloha tamigny vavan'i Davida momba an'i Jodasy, ze ninday reo olo nanambosy an'i Jesosy."17Fa agnisanigny raiky amisika izy dra nahazo gny azarany tamizao fanopoa anizao." 18(Amizao io lelahy io dra nivily saka tamigny vola azony tamigny faharasia izy, dra lavo nihohoky teo izy, dra nisokaky vo nipoaky gny vatany, dra niboaky avokoa gny sanainy. 19Reo olon'aby tao a Jerosalema ao dra nahare gny momba anizay, dra nitoka io saka io tamigny fizakan'ereo ho: "Akeldama", zay ho: "Sahan-dra.")20Fa voasorasy ao amigny bokinigny Salamo ho: "Angao ho lao gny sakany, vo ka anga na dre olo raiky hitoby ao'; Angao ho takarinigny olo-kafa gny andrekiny."21Noho izay, dra taliavy, gny raiky amireo lelahy nindray tamisika nandrisigny fotoa aby niliran'i Jesosy Topo vo gny nisokafany tamisika eto, 22hatramigny batisan'i Jaona dra hatramigny andro nekarany teo amisika, dra sy maisy vavolombelo miaraky amisika amigny fisanganany." 23Dra nametraky rolahy ereo, dra i Josefa natao ho Barsabasy; na koa atao ho Josta, dra Matia.24Nivavaky ereo dra nizaka ho: "Hanao ry Topo, gny mahay reo fonigny olon'aby, ko zakao ze hifilinao amin'izy rolahy 25ba hangalaky gny toerany ato amizao fanopoa zao vo gny maha Apostoly nohonigny fandikandalana ze nataon'i Jodasy handeha ho agny amigny toerany manoka. 26Ereo dra niloka ho anereo, dra nilasaky tamin'i Matia gny filoka, dra voaisa ho Apostoly raiky ambiny folo izy.
Chapter 2

1Noho avy gny andrnigny Pantekosta, niango tamigny toera raiky ereo aby. 2Topoko teo avy agny andagnisy nisy feo manahaky gny rivosy mahery nifofofofo, dra nagnome gny tragno manotolo ze nipetrahan'ereo zay. 3Nisy afo niendriky lela maro ze nizarazara, dra nipetraky teo agnabon'ereo, dra nipetraky teo agnabon'ereo sirairay aby. 4Izy aby dra feno gny Fagnahy Masy dra nanomboky nizaka tamigny fizaka maro samy hafa, araky gny namenigny Fagnahy Masy hizakan'ereo.5Dra nisy Jiosy ze nipetraky tao Jerosalema, olon'Agnahary, boaky amigny firenena aby ambaninigny lagnisy. 6GNy fa nahare feo zay, dra avy niaraky reo vahoaky sady sahira-say akory gny sirairay dra samby nahare anereo nizaka tamigny fizakany aby. 7Ereo dra talazo vo gaga; nizaka ho: "Mary, fa sy reo mizaka aby reo ra gny Galileanina?8Nagnino gny mahare anereo sika, amigny fizakasika aby ze naha lahibe asika? 9Partianina vo Medianina dra Elemita, dra reo ze mipetraky agny Mesopotamia, agny Jodia vo Kapodokia, agny Ponto vo Asia, 10Frygia vo Pamfylia, agny Egypta dra Libya hatragny amin'i Kyrena, dra reo pisiliky boaky agny Roma, 11Jiosy vo Proselyta, Kreatana vo Arabo, dra resika mizaka amigny fizakasika momba gny asa lahibe ataon'Agnahary."12EReo dra gaga vo sahira-say; dra nifapizaka ereo ho: "Ino gny dikan'izay?" 13Fa reo ilany naneso sady nizaka ho: 'EReo dra mamonigny divay vaovao."14Fa i Petera nisanga niaraky tamin'izy Raiky ambiny folo, napiakasy gny feony, dra nizaka tamin'ereo ho: "RY lelahin'i Jodea vo handrareo aby ze mipetraky eto Jerosalema, aoky ho fatandrareo zao, tandremo reo zakako. 15Ho an'ireo olo sy mamo araky ze heverinao, fa vo ora fahatelo amigny andro zao.16Fa izao gny voazaka tamin'i Joela paminany: 17'Amigny andro farany,' Zagnahary mizaka ho: 'Halasako amigny olon'aby gny fagnahiko. Reo zanadahindrareo vo gny zanakapelandrareo dra haminany, gny zatovondrareo dra hahita fahita, dra gny ati-dahy hagnonofy.18Manahaky anizay koa gny amireo panopoko lahy vo gny panopoko apela amireo andro reo. Halasako gny Fagnahiko, dra ereo haminany. 19Izao dra haneho raha-mahagaga egny amigny lagnisy ambony vo famata egny amigny tany ambany, lio, afo, dra eto-setroky.20Gny masoandro dra ho lasa mezy dra gny vola ho lasa lio, melohanigny andro lahibe vo miavaky hiavianigny Topo. 21Dra gny olon'aby ze mitoka gny agnaran'Agnahary dra ho voavozy.22Ry olon'Israely, tenoy izao zaka zao: Jesosy boaky agny Nazareta, gny olo nanehoany andrareo tamigny alalan'Agnahary ba ho mary amireo asa lahibe, reo fahagaga, dra reo famatara ze nataon'Agnahary taminazy teo agnevondrareo, araky gny fatasigny vatandrareo. 23Io lelahy io dra natolosy gny drafisin'Agnahary ze fa nomany meloha vo gny fahalala, dra gny vatanigny pandika lalana vo handrareo, namono anazy tamigny famasika anazy teo amigny hazo fizalia. 24Fa Zagnahary nananga anazy, nagnafaky anazy tamireo fanaitaigna fahafatesa, akory sarosy ho anazy gny niala tamizay.25Fa i Davida mizaka momba anazy ho, "Nahita gny Topo teo anoloako mandrakariva zaho, fa eto atagna-kavanako Izy dra sy tokony hangozohozo zaho. 26Dra tena faly gny foko dra niravoravo gny lelako. Dra gny nofoko hehery amigny fahatokia.27Fa sy ninganao ho agny amigny fiegna-sy hita gny fagnahiko ho lo hanao. 28Napahafatasy anahy reo lalanigny fiegna Hanao; Hanao dra hameno fifalia anahy amigny endrikao.'29Ry rahalahy, afaky mizaka amindrareo apitokia momba an'i Davida Patriarika zaho: Fa maty izy vo nsngsny, dra gny lolo eto amisika mandrak'Androany. 30Noho izay, paminany izy dra fatany fa niat taminazy Zagnahary, fa gny taranany gny ho eo amigny seza fiandriagna. 31Fa hitany zay dra nizaka mombanigny fisanganan'i Kristy tamigny fahafatesa,' sady izy sy nanga tao amigny fiegna sy hita, gny sy nanao gny nofony ho trasinigny fahalova.'32Io Jesosy io- Zagnahary gny nananga anazy, dra vavolombelon'izay zahay aby. 33Noho izay gny fa nasandrasy gny tagna-kavanan'Agnahary Izy dra nitakasy gny Fagnahy Masy napanatena boaky amigny Ray, fa narosany zay, ze hitandrareo vo rendrareo.34Fa i Davida dra sy niakasy tagny andagnisy, fa izy nizaka ho: 'GNy Topo nizaka tamigny Topoko, "mitoera eto atagna-kavagnako, 35mandra-panaoko gny fahavalonao ho pisy tombonao."' 36Noho izay, aoky ho fatasy gny olon'aby gny tragnon'i Israely fa Zagnahary gny nanao Anazy ho Topo vo Kristy, gny Jesosy ze nihombondrareo."37Gny fa nahare anizay ereo, voasindro gny fon'ereo, dra nizaka tamin'i Petera vo reo apostoly ambiny ho: "Rahalahy, ino gny tokony hatao?" 38Boak'eo Petera nizaka tamin'ereo ho: "Mibebaha manova batisa, handrareo aby, amigny agnaran'i Jesosy Kristy ho famela gny fahotandrareo, vo handresandrareo gny fagnomezanigny Fagnahy Masy. 39Fa gny fapanatena dra ho andrareo vo gny zanandrareo dra vo ze lavisy, dra ho maroreo olo ze ho tokavinigny Topo Zagnahary."40Niaraky tamigny zaka maro hafa gny nizoroany ho vavolombelo vo nandrisihany anereo; nizaka izy ho, "Vozeo gny vatandrareo amity taranaky rasy fagnahy tihoky." 41EReo nitakasy gny zakany dra natao batisa, dra tokony fagnahin'olo teo amigny telo arivo teo ho eo gny napiay tamin'io andro io. 42Nanohy vo nahita gny asa fitoria vo gny fapenaranigny apostoly ereo, teo amigny fanapaha gny mofo vo gny fivavaha.43Avy teo amigny fagnahinigny sirairay gny tahosy, dra fahagaga vo famatara maro gny vita tamigny alalanigny apostoly. 44Reo nino dra niangon'aby vo nana raha mitovy, 45dra ereo namarosy gny vatany vo gny fanagnany dra nizara anizay tamin'ereo aby,arakize nitaliaviny aby.46Dra isan'andro isan'andro dra nitohy nanopo tamigny fomba fagnety mitovy tao atepoly ereo, vo nanapaky gny mofo tao atragno, dra nizara hany tami-pifalia vo fo feno fanetre-tegna; 47Nidera an'Agnahary dra nahazo fakasitraha tamigny olon'aby. Isan'andro gny Topo dra nagnapy gny isanireo ze voavozy.
Chapter 3

1Dra i Petera vo i Jaona niakasy tegny amigny tepoly tamigny oranigny fivavaha, gny ora faha sivy. 2Dra nisy lelahy raiky namely fa hatragny apiteraha nindesy isan'andro tegny amigny vavahady soa endriky gny Tepoly, ba hangataky fagnomeza ara-bola agny amireo olo ze magnegny amigny tepoly. 3Gny fa nahita an'i Petera vo i Jaona ze handeha hilisy gny tepoly, dra nangataky fagnomeza ara-bola tamin'ereo izy.4Nibazy gny masony niaraky tamin'i Jaona i Petera dra nizaka ho: "Atio zahay". 5Gny lelahy malemy nagnety anereo, nanategna gny hitakasy raha boaky agny amin'ereo. 6Nefa i Petera nizaka ho: "Volafosy vo volamena gny sy anagnako, nefa ze anagnako gny sy anagnako, nefa ze anagnako, gny homeko anao. Amigny agnaran'i Jesosy Kristy boaky agny Nazareta, Mandehana."7Nitakasy anazy tamigny tagna havana, i Petera nananga anazy, dra avy hatrany dra lasa natazaky gny tombokigny lelahy vo gny kitrokeliny. 8Nidikosy, gny lelahy malemy dra nisanga dra nanomboky nandeha; dra niaraky naheriloha tamin'i Petera vo i Jaona tao atepoly izy, nandeha, nidikosy, dra nidera an'Agnahary.9Gny olon'aby dra nahita anazy nandeha vo nidera an'Agnahary. 10Sikarin'ereo fa izy gny lelahy nangataky fagnomeza ara-bola tamireo olo teo amigny vavahady soanigny tepoly; dra tena gaga vo talazo ereo noho gny raha nitranga taminazy.11Dra noho izy nita an'i Petera vo Jaona, gny olon'aby dra nirohasy nagnegny amin'ereo tegny amigny felofa ze natao ho alokin'i Solomona gny olon'aby, dra tena talazo. 12Gny fa nahita anizay i Petera dra namaly gny olo ho: "Handrare ry vahoakin'Israely, nagnino gny talazo handrareo? Nagnino gny masondrareo gny mandiniky anay, ohasigny ho herinay na fahamasinanay manoka gny napandeha anazy?13Gny Zagnaharin'i Abrahama, vo An'Isaka, dra an'i Jakoba, gny Zagnaharin'ireo rasika, nagnome voninahisy an'i Jesosy panopony. Izy gny natolondrareo vo nilavindrareo teo anoloan'i Pilato, tamin'izy nanapa-kevisy gny handefa anazy. 14Nilavindrareo gny raiky ze Masy vo Mary dra aleondrareo nangataky gny pamono olo ba ho alefa ho andrareo.15Nivonondrareo gny Pagnory gny fiegna, ze nasangan'Agnahary tamigny maty_dra vavolombelon'izay zahay. 16Amizao, noho gny finoa amigny agnarany_gny lelahy ze hitandrareo vo fatandrareo_ igny agnara igny avo gny nahavy anazy hahery. Gny finoa boaky amin'i Jesosy gny nagnome anizao fahasitragna feno zao ho anazy eto agnatrehandrareo aby.17Amizao, ry rahalahy, fataro fa nanao anizay handrareo noho gny sy fahalalandrareo, manahaky gny nataon'ireo pinday andrareo avo koa. 18Fa reo raha ze voazakan'Agnahary meloha tamigny vavan'ireo paminany aby, ho tokony hizaly gny Kristy, fa taterany amizao.19Mibebaha, noho izay, dra miheregna, ba ho voavono gny fahotandrareo, ba ho avy gny fotoa mahavelombelo eo agnatrehanigny Topo; 20dra ba handefa anigny Kristy ze voatendry ho anao izy, dra i Jesosy.21Izy gny sy maisy ho takarinigny Lagnisy ambara-pahavianigny ora fagneregna amigny loniny gny raha-aby, mombanize nizakan'Agnahary faela tamigny vavan'ireo paminany masy. 22Nizaka vatany i Mosesy ho: 'Gny Topo Zagnahary dra hananga paminany manahaky anahy boaky amireo rahalahindrareo. Handrareo hiteno gny raha-rasy ze ho zakany amindrareo. 23Hitranga gny ho, ze olon'aby sy miteno anizay paminany zay dra ho ringany tateraky sy ho ao amin'olo.'24Eh, aza reo paminany aby nanomboky teo amin'i Samoela vo reo ze avy tafaranay, dra nizaka fatrasy vo nitalily reo andro reo. 25Handrareo gny zanak'ireo paminany vo gny fagneke ze nataon'Agnahary tamireo razambe, araky gny nizakany tamin'i Abrahama ho: 'Ao amigny taranakao dra ho tahy reo fianakavian'aby era-tany.' 26Tafaranigny nananganan'Agnahary gny panopony, dra nandefa anazy ho andrareo aloha izy, ba hitia andrareo amigny fialandrareo amigny fahaserovandrareo."
Chapter 4

1Gny fa nizaka tamireo vahoaky i Petera vo i Jaona, dra avy reo pisoro vo gny lahibenigny piamby gny tepoly dra reo Sadoseo. 2Ory fatrasy ereo noho i Petera vo i Jaona napianasy gny vahoaky vo nitory gny fisangana amigny maty tamigny alalan'i Jesosy. 3Nisambory ereo dra natao tagny apoza mandrapahavianigny mary, akory fa hariva gny andro tamizay. 4Kanefa maro tamireo olo ze nahare gny hafasy gny nino; dra gny isan'ireo lelahy ze nino dra dimy arivo teo ho eo.5DRa nony marainy igny dra niango tao Jerosalema gny panapak'ereo, zokiolo dra reo panora-dalana. 6Teo i Anasy pisorombe, kaiafa, Jaona, vo i Aleksandro vo ze havanigny pisoron'aby. 7Nony naroso teo agnevony i Petera vo i Jaona, dra nagnotany anereo ho: "Amigny hery hanao, na amigny agnara ino , gny nanovandrareo anizay?"8Boak'eo i Petera, feno gny Fagnahy Masy, dra nizaka anereo ho: "Handrareo ry panapaky gny vahoaky, vo gny loholo, 9gny nagnotania mombanigny asa soa nataonay tamin'io lelahy narary io zahay tamin'io andro io_tamigny fomba akory gny nahasitrany io lelahy io? 10Dra aoky ho fatandrareo aby vo gny vahoakin'Israely aby, fa tamigny agnaran'i Jesosy Kristy boaky agny Nazareta, ze nihomboandrareo, nasangan'Agnahary tamigny maty _tamigny alalany gny izoroanity lelahy tihoky eto amasondrareo."11Jesosy Kristy dra vato ze nataondrareo pagnoritragno sinosino fe seky fa natao ho lohanigny vato fehizoro. 12Dra sy misy famozena boaky amigny hafa, fa sy misy agnara hafa ambaninigny lagnisy namenigny olo ze sy maisy hahavozy asika."13Gny fa nahita gny fahavanian'i Petera vo i Jaona ereo, dra nahasapa fa olo-sotra, olo sy nandia fenara, dra talazo ereo, nahafatasy fa niaraky tamin'i Jesosy i Petera vo i Jaona. 14Aokry ereo nahita gny lelahy sitrany nizoro niaraky tamin'ereo, dra sy nahita zinaka hanohera anizay ereo.15Fa gny fa avy nandidy reo apostoly hagnenga gny fivorianigny fila-kevisy ereo, dra nifapizaka ereo. 16Hoy ereo ho: "Ino gny tokony hatao amity lelahy tahoky? Noho gny fahagaga vita tamigny alalan'ereo dra fatasireo olon'aby mipetraky eto Jerosalema zay, dra sy azosika lavy. 17Fa ba sy hiparitahan'izay amigny vahoaky koa, dra ndoa isika hapitandry anereo ba sy hizakan'ereo anizay agnara zay sasy. 18Tonokany hilisy i Petera vo i Jaona dra nizakany ereo sy hizaka vo sy hapianasy amigny agnaran'i Jesosy sasy.19Kanefa namaly anereo koa i Petera vo Jaona nizaka ho: "Gny mary eo amason'Agnahary gny magneky andrareo mihoasy anazy, dra handrareo gny misara. 20Sy afaky gny hizano sy hizaka momba reo raha hitanay vo renay zahay."21Tafaranigny fapitandrema an'i Petera vo i Jaona, dra nangany nandeha ereo. Fa sy nahita fomba hagnasazia anereo ereo, akory nidera an'Agnahary reo vahoaky noho gny raha vitany. 22Gny lelahy ze niay gny fahagaga vo fagnasitragna dra nihoasy gny efa-polo tao.23Tafaranigny nagnafaha anereo, dra avy teo amigny vahoakyny i Petera vo i Jaona dra nitatarany anereo ze raha nizakanireo lohonigny pisoro vo reo loholo tamin'ereo. 24Gny fa ren'ereo zay, dra niara-nanandrasy gny feon'ereo ho an'Agnahary ereo dra nizaka ho: "Topo, hanao gny nanao gny lagnisy vo gny tany vo gny rano masy, vo ze ao aminazy aby. 25Nizaka tamigny alalanigny Fagnahy Masy tamigny vavanigny panoponao, gny rasika Davida hanao ho: 'Nagnino gny masiaky reo firenena Jentilisa, vo reo olo mieriserisy raha sy misy ilana azy?'26Handrareo mizaka ho: Reo pazakanigny tany dra nitambasy, vo reo panapaky dra nivondra hanohisy gny Topo, vo hanohisy gny Kristy.'27Fa i Heroda vo i Pontsy Pilaty, ze niaraky tamireo jentilisa vo reo vahoakin'i Israely, gny niara-niango tao atana hanohisy an'i Jesosy panopondrareo, ze nosorandrareo. 28Nindray nivory ereo ba hanao ze nataonigny tagnandrareo vo reo drafindrareo ze fa nitapahin'ereo hatao meloha.29Amizao, Topo, atio reo fapitandremanereo dra ameo reo panoponao ba hizakany gny zakanao akavania tateraky. 30Ahiziro gny tagnanao ba hagnasitra, dra hagnome reo famatara vo fahagaga amigny alalanigny agnaran'i Jesosy panoponao masy." 31Gny fa boaky nivavaky ereo, dra nihizongozo gny toera ze niarahan'ereo nivory, dra feno gny Fagnahy Masy ereo aby dra nizaka gny zakan'Agnahary akavania.32Gny akabeazan'ireo ze nino dra fo vo fagnahy raiky. Sy nisy nizaka fa gny raha ze azony dra anazy manoka, fa raha niarahan'ereo nana. 33Niaraky tamigny hery lahibe gny nagnambaranigny apostoly gny fizoroan'ereo vavolombelo momba gny fisangana'i Jesosy Topo tamigny maty, dra fahasoava lahibe gny teo amin'izy aby.34Sy nisy olo nana-zava maha-ory teo amin'ereo, fa ze nana tany aby na tragno dra navily vo nandesa gny volanigny raha aby ze lafo. 35dra napetraky teo atombok'ireo apostoly, dra nizara tamigny olo sirairay arakize taliavin'ereo.36Josefa, Levita raiky, lelahy boakagny Sipra ze nataon'ireo apostoly ho Barabasy (midika ho zanadahinigny Fapahereza), 37nivarosy tany vo ninday gny vola dra nametraky anazy teo atombok'ireo apostoly.
Chapter 5

1Fa nisy lelahy raiky natao i Ananisy, niaraky tamin'i Safira valiny, namarosy azara tany, 2dra nitanany gny ilany tamireo vola viliny (gny valiny nahay anizay avo koa), dra ninday gny apahany hafa tamizay vo nametraky anazy teo atombokireo apostoly.3Fa Petera nizaka ho: "Ananiasy, nagnino gny nifenon'i Satana vandy gny avo havandy amigny Fagnahy Masy, vo hita gny apahany tamigny vili-tany? 4Gny bo sy lafo zay, sy nizano ho fanagnanao manoka ra zay, dra gny fa lafo zay, sy teo amigny fahefanao ra zay? Nagnino gny nieriseretanao anizay raha zay teo amigny fonao? Sy navandy tamigny olo hanao, fa tamin'Agnahary." 5Gny fa nahare reo zaka reo, dra lavo tamigny tany Ananiasy dra afaky gny ainy, dra tahosy lahibe gny nahazo anize teo rahare anizay. 6Dra reo tovolahy dra nisoro dra namogno lamba anazy, dra nandesin'ereo niboaky izy dra nalevy.7Tafaranigny ora telo teo ho eo, dra nilisy gny valiny, bo sy nahafatasy ze nitranga. 8Petera nizaka taminazy ho: "Zakao anahy raha zay gny namarotandrareo gny tany." dra hoy izy: "Eh, noho izay."9Boak'eo i Petera nizaka anazy ho: "Nagnino handrareo gny nagneky hiara-hisapa gny Fagnahinigny Topo? Ingo, reo tombon'ireo olo ze nandevy gny valinao dra eo ambatranga, dra hamoaky anao ereo. 10Dra lavo teo noho eo teo amigny tombony ze dra afaky gny ainy. Gny fa nilisy tao reo tovolahy, dra nahita anazy maty, dra ninday anazy niboaky vo nandevy gny fengona manotolo, vo reo ze nahare anizay raha zay aby.12Famatara vo fahagaga maro gny niseho tamireo vahoaky tamigny alalanigny tagnan'ireo Apostoly. Niaraky teo amigny fialofan'i Salomona ereo. 13Fa sy nisy olo hafa nana fahavania hiaraky amin'ereo; kanefa, gny vahoaky dra nanandrasy fakasitraha abo anereo.14Dra vo maiky nihamaro reo pino ze nagnapy isa gny Topo, andian'dehilahy vo apela, 15dra nandesin'ereo tegny an-dala hatramigny marary dra napandren'ereo teo agnabony fandria, dra ba gny fa mandalo i Petera, dra mety ba hagnaloky gny ilany amin'ereo gny alokiny. 16Teo avo koa dra maro gny vahoaky gny nindray avy boaky ao amireo tana magnodidy any Jerosalema, ninday gny marary vo reo ze napahorinigny fagnahy maloto, dra sitra ereo aby.17Fa nisanga gny pisorom-be, vo reo ze niaraky taminazy (ze sekta an'ireo Sadoseo); dra feno felogna ereo 18dra nanambosy an-keriny reo Apostoly, dra napilisy anereo tagny an-tragno mezy.19Dra nandrisy gny hariva dra nisy azelinigny Topo nanokaky gny vatrangaranigny foza dra namoaky anereo tao, vo nizaka ho: 20"Mandehana, misangana amigny ao amigny tepoly vo mizaka amigny olo reo zaka amity fiegna tihoky." 21Gny fa nahare anizay ereo, dra nilisy tao amigny tepoly ereo raha vo maray gny andro dra napianasy. Fa avy gny pisorom-be, vo reo ze niaraky taminazy, dra nitoka gny fila-kevisy aby, reo loholonigny Israely aby, dra nalefa tagny apoza ba hamoaky reo apostoly.22Fa nony avy gny piamby raharaha dra sy nahita anereo tao apoza, dra nihery ereo vo nitatisy ho: 23"Nahita gny tragno mezy nihily soa zahay vo gny piamby dra nizoro niamby teo am-batrangara, fa gny fa nisokafinay zay, sy nahita olo tao agnatiny ao zahay."24Dra gny fa nahare gny lahibenigny piamby gny tepoly vo reo pisorom-be dra very hevisy tateraky ereo nahakasiky gny raha mety hitranga. 25Fa nisy olo avy dra nizaka tamin'ereo nanao anizahoky ho: "Reo lelahy ze nataondrareo tao atragno mezy dra nisanga ao amigny tepoly dra napianasy gny vahoaky."26Dra lasa lahibenigny piamby niaraky tamireo piamby raharaha, dra ninday anereo nihery, fa sy tamigny herisetra, akory natahosy gny vahoaky ereo fa dra ho torahy vato. 27Gny fa ninday anereo ereo, dra nandefa anereo teo agnatrehanigny fila-kevisy. Nagnadihady anereo gny pisorom-be, 28nizaka ho: "Niraranay fatrasy handrareo ba sy hapianasy amin'io agnara io, kanefa, nifenondrareo gny fapenarandrareo i Jerosalema, dra tiandrareo ho topon'andrekisy amigny lion'io lelahy io zahay."29Fa i Petera vo reo apostoly namaly ho: "Zahay dra tokony hagneky an'Agkknakhary nohonigny olo. 30Gny Zagnaharnigny razanay nananga an'i Jesosy, ze nivonondrareo tamigny fagnatonga anazy teo amigny hazo. 31Zagnahary nanandrasy ba ho Topo vo ho pamozy, ba hagnome fibebaha ho an'Israely, vo ho famela gny heloky. 32Zahay dra vavolombelo gny amizay raha zay, vo eo avo koa gny Fagnahy Masy, ze namen'Agnahary ho an'ireo magneky anazy.33Raha nahare anizay reo tao amigny fila-kevisy, dra ory ereo vo teho namono reo apostoly. 34Fa nisy Fariseo raiky atao i Gamaliela, papiana-dalana, ze nihazanigny olon'aby, nisanga dra nandidy reo apostoly ba hala.35Dra izy nizaka tamin'ereo ho: "Lelahy Israely, tandremo soa gny amigny raha ze hataondrareo miaraky amireo olo reo. 36Fa taloha agny, Teodasy nizaka gny vatany hanagnay, dra vondron'olo, tokkny ho efa-zato, nagnoriky anazy. Nivono izy, dra reo ze nagneky anazy aby dra nipetraky vo lasa sinosino. 37Boak'eo io lelahy io, Jodasy boaky a Galilia agny dra nisanga tamigny andronigny fagnisa vo nitao olo maromaro hagnaraky anazy. Izy avo koa dra nivono, dra reo ze nagneky anazy aby dra niparitaky.38Amizao dra zakako amindrareo, magnalavisy anireo lelahy reo dra angao raiky ereo, fa raha aboaky amigny olo io asa io, dra ho foa zay. 39Fa raha avy amin'Agnahary koa, dra sy ho azondrareo foagna reo; mety ho hitandrareo aza fa mialy amin'Agnahary handrareo." Dra resy lahasy ereo.40Dra nitoka anireo apostoly hilisy ereo dra nazera vo nandidy anereo sy hizaka amigny agnaran'i Jesosy, dra namela anereo handeha. 41Ereo dra nagnenga gny fila-kevisy tapifalia akory mendriky gny hinday fahafaham-baraka ho anigny Agnara. 42Tao afaran'izay isan'andro, sy nisahasy napianasy vo nitory an'i Jesosy ho Kristy ereo, teo akiazanigny tepoly vo tamigny tragno maro.
Chapter 6

1Dra tamizay andro zay, gny fa nihanitombo gny isan'ireo pianasy, dra nanomboky nisy fitaregna nataon'ireo Jiosy mizaka Grika hanohera reo Hebreo, akory nataon'ereo sinosino reo pitondra-tegnany tamigny fizara hany isan'andro.2Gny ro ambiny folo dra nitoka reo pianasy aby ho agny amin'ereo sady nizaka ho: "Sy mety ho asika raha magnenga gny zakan'Agnahary ba hikarakara reo latabasy. 3Noho izay handrareo dra tokony mifily, ry rahalahy, fito amindrareo, lelahy soa laza, feno gny Fagnahy vo Fahendrena, ba ho tendrenay hikarakara anizay raharaha zay. 4Raha gny aminay, dra hanohy hatragny amigny fivavaha vo amigny fapenara gny zaka zahay."5Nahafinarisy gny olon'aby gny zaka nataon'ereo, Dra nifily an'i Stefana ereo, lelahy feno finoa vo Fagnahy Masy, dra i Filipo, Prokaro, Nikanora, Timona, Parmena vo Nikoleo, proselyta boak'agny Antiokia. 6Reo pino dra ninday reo lelahy teo agnatrehanigny Apostoly, ze nivavaky vo nametraky gny tagnany tamin'ereooo.7Dra niparitaky hatragny gny zakan'Agnahary, dra gny isanigny pianasy tao Jerosalema dra nihanitombo be, dra pisoro maro be koa gny lasa pakato gny finoa.8Dra i Stefana, feno fahasoava vo hery, dra nanao fahagaga vo famatara lahibe teo amigny vahoaky. 9Fa nisy vahoaky ilany nisanga ze anigny Synagoga ze atao ho gny Synagoganigny Libertina, vo anigny Kyreniana vo Aleksandriana, dra gny ilany boak'agny Kilikia vo i Azia. Reo olo reo dra nialy hevisy tamin'i Stefana.10Ereo dra sy nahatohisy gny fahendrena vo gny Fagnahy ze nizakany i Stefana. 11Boak'eo dra nisy olo nanovan'ereo kolikoly ba hizaka ho: "Fa renay i Stefana nizaka rasy momban'i Mosesy vo i Zagnahary."12Nanaisy gny olo ereo, gny loholo, vo gny panora-dalana, dra nagneo amin'i Stefana ereo vo nanambosy anazy vo ninday anazy teo agnatrehan'ireo panolosay. 13Ereo dra ninday fizoroa vavolombelo diso, dra nizaka ho: "Ty lelahy tahoky dra sy misahasy mizaka rasy ty toera masy tihoky vo gny lalana. 14Fa zahay dra nahare anazy nizaka fa i Jesosy boaky a Nazareta agny io dra handrava ty toera tihoky vo hagnova reo fomba ze natolon' i Mosesy asika." 15Reo ze nipetraky teo amigny toeranigny panolosay dra nandiniky anazy dra nahita fa manahaky gny azely gny tarehiny.
Chapter 7

1Gny pisorom-be nizaka hp: "Mary ra zay raha aby zay?" 2Stefana nizaka ho: "Ry rahalahy vo ry ray, tenoy zaho: "Gny Zagnaharinigny voninahisy niseho tamigny raika Abrahama tamin'izy tagny a Mesopotamia, talohanigny nipetrahany tao Harana; 3nizaka taminazy iizy ho: "Mela eo amgny taninao hanao vo reo havanao, dra mandehana agny amigny tana ze asehoko anao."4Boak'eo niala anigny taniny Kaldeana izy dra nipetraky tagny Harena; nanomboky teo, tafaranigny nahafatesanigny babany, nandesin'Agnahary tagny amin'io tany io izy, ze hipetrahanao amizao. 5Sy nameny ho lova teo izy, aha, sy apy hapy anobia tomboky. Fa nagnome toky izy_na dre bo sy nanagnanaky aza i Abrahama fa_ izy dra hagnome gny tany anazy ho fanagnany vo ho anireo taranany agny afara,6Zagnahary dra nizaka taminazy manahaky anizao, fa reo taranany dra hipetraky maharisy agny amgny tany firene-kafa, dra reo ponona ao dra hinday anereo amigny fagnandevoza vo fapahoria mandrisy gny efa-zato tao. 7'Nefa ho sarako gny firenena ze topon'ereo,' hoy zagnahary, dra afaran'izaya dra hagnato vo hidera anahy eo amin'io toera io ereo. 8Boak'eo namen'Agnahary an'i Abrahama gny fagneke amigny famora, dra i Abrahama dra lasa baban'i Isaka dra nanapaky anazy tamigny andro fahavalo; Isaka dra lasa baban'i Jakoba, dra i Jakoba lasa baba'ireo patriarika ro ambiny folo.9Akory reo patriarika dra nialo an'i Josefa, dra navilin'ereo tagny Egypta izy; fa zagnahary dra niaraky tamintazy 10dra namozy anazy tamireo olo aby reo. I Josefa dra nameny fakasitraha vo fahendrena teo agnatrehan'i Farao, pazakan'i Egypta, ze nametraky anazy ho governora manapaky an'i Egypta vo agnabon'ireo fanagnany gny olon'aby.11Dra avy gny mosary nanera an'i Egypta vo i Kanana, vo fizaliam-be, dra reo razasika dra sy nahita hany ho hany. 12Fa gny fa nahare i Jakoba fa nisy vary tao Egypta, dra nandeha reo razasika tamigny lian'ereo volohany izy. 13Tamigny lian'ereo faharo i Josefa napahafatasy gny vatany tamireo rahalahiny, dra gny fianakavian'i Josefa dra lasa fatas'i Farao.14Josefa dra nagniraky reo rahalahiny hizaka an'i Jakoba babany ba hoavy agny Egypata, miaraky amireo havany aby, teo amigny dimy ambiny fitopolo olo raha atambasy. 15Noho izay Jakoba dra nizoso ta Egypta agny, dra matyy izy, izy vo reo razasika. 16Nilaza ho a Sekema agny ereo dra nangany tao amigny lolo ze nivilin'i Abrahama tamigny volafosy tamireo zanak'i Hamora tagny a Sekema.17Gny fa nagneky gny fotoanigny fapanatena, ze nataon'Agnahary tamin'i Abrahama, dra nihamaro vo nitombo gny olo tao Egypta, 18mandra-pasangananigny pazaka hafa tao Egypta, pazaka ze sy nahafatasy gny momba an'i Josefa. 19Io pazaka io avo gny namitaky gny vahoasika vo napahory reo razasika, ereo dra nanery gny razasika hagnenga reo zanany ambavan-doza ba sy ho velo.20Tamizay fotoa zay i Mosesy gny niteraky; izy dra soa teo agnatrehan'Agnahary dra niteza telo vola tao an-tragnonigny Babany. 21Gny fa naboaky tegny ivelany izy, dra gny zanakapelan'i Farao gny nananga vo niteza anazy manahaky gny zanadahiny.22I Mosesy dra napianasy reo fahendrena aby nanagnanigny Egytiana, izy dra nahare tamigny zakany vo gny asany. 23Dra gny fa ho efapolo tao izy, avy tao apony gny hisiliky reo rahalahiny, zanak'Israely. 24Nahita Israelita raiky ze napahory dra niaro anazy i Mosesy sady namaly anigny ze napahory anazy tamigny famonoa gny Egyptianina. 25Nihevisy izy fa ho azon'ireo rahalahiny fa tamigny alalanigny tagnany Zagnahary gny nagnavota anereo, nefa dra sy azon'ereo zay.26Gny andro magnaraky dra avy tao amireo Israely ilany izy raha ereo nifalisy; nagnandra gny napitony gny sirairay aby izy, nizaka ho: "Ry lelahy, handrareo dra pirahalahy, magnino handrareo mifandrasy io?" 27Fa gny raiky ze nanao sy mety tamigny namany nanosiky anazy, dra nizaka ho: "Iza gny nanendry anao ho panapaky vo hisara anay? 28Tianao ra gny hamono anahy, manahaky gny namonoanao reo Egyptiananina omaly?"29Nienga i Mosesy gny fa nahare anizay; lasa piavy izy tao amigny taninigny Midiana, ze niterahany gny zanany rolahy. 30Gny fa dila gny efapolo tao, nisy azely raiky nipotra taminazy tagny agnefisy tegny amin'tendrombohisy Sinay, teo amigny lelafonigny voaroy nirehisy.31Gny fa hitan'i MOsesy gny afo, talazo izy amigny fahita; dra gny fa nagnato izy dra nagnety anazy, ingo boak'agny nisy feonigny Topo nizaka ho: 32"Izaho gny zagnaharin'ireo razanao, zagnaharin'i Abrahama, vo Isaka, dra i Jakoba." Natahosy i Mosesy dra sy nahavany nagnety.33Gny Topo nizaka taminazy ho: "Alao gny Kapa egny amigny tombonao, fa io toera ze hizanognanao io dra tany Masy. 34Fa hitako gny fizalianigny vahoako ze ao Egypata, reko gny fitaregnan'ereo, dra fa nizoso nagnavosy anereo zaho; Ko amizao, alefako ho agny Egypta hanao."35Io i Mosesy ze nilagnin'ereo, gny fa nizaka ereo ho: "Iza gny nanendry anao ho panapaky vo ho pisara?" Izy gny tokony ze nalefan'Agnahary sady ho panapaky gny pagnavosy. Zagnahary nandefa anazy tamigny alalanigny tagnanigny azely ze nipoisy tamin'i Mosesy tegny amigny voaroy. 36Nitariky anereo hiala tao Egypata i Mosesy, gny fa boaky nanao fahagaga vo famatara mena, dra tegny agnefisy nandrisy gny efapolo tao. 37Io avo gny i Mosesy ze nizaka tamigny vahoakin'Israely ho: "Zagnahary dra hananga paminany ho andrareo eo amigny rahalahindrareo, paminany manahaky anahy."'38Izy gny lelahy ze tao apiangona tao agnefisy niaraky tamigny azely ze nizaka taminazy tegny amin'tendrombohis'i Sinay. Izy gny lelahy niaraky tamireo razasika; izy gny lelahy ze nandray gny zaka velo zara ho asika. 39Izy gny lelahy ze sy nakatoavin'ireo razasika; narozin'ereo lavisy anereo ereo, dra agny apon'ereo dra nihery tagny Egypta ereo. 40Tamin'io fotoa io nizaka tamin'i Arona ereo ho: "hagnova Zagnahary zahay hitariky anahy, manahaky an'i Mosesy, ze nitariky asika hiboaky any Egypta, sy fatasika ze nitranga taminazy."41Dra nanao agnomby lahy kely ereo tamizay andro zay dra ninday fagnatisy teo amigny sapy, dra nifaly tamigny asa-tagnany ereo. 42nitoliky i Zagnahary dra namela anereo ba ho fidera reo kita egny an-dagnisy, araky gny voasorasy tao amigny bokinigny paminany: "Handrareo ra nanolosy anahy biby maty sy fagnatisy nandrisy gny efapolo tao tao agnefisy, tragnonigny Israely?43Nekendrareo gny tabernakelin'i Moloka vo gny kitan'Agnahary Refana, vo reo sary ze ataondrareo hidera anazy, dra izaho hinday andrareo agny aakoasin'i Babylona.44Reo razasika dra nana tabernakelinigny fizoroa vavolombelo tao an'efisy, araky gny baikon'Agnahary agny fa nizaka tamin'i Mosesy izy, ze tokony ntaony nitovy tamgny fomba fa hitany. 45Io gny tragnolay ze nalan'ireo razasika, dra nandesiny tao amigny tany niaraky tamin'i Josoa, teo agnatrehan'ireo razasika, reo fagnahinigny firenena ze nandroahan'Agnahary gny tany ze nitakarin'ereo ho fanagnan'ereo manoka, gny tragnolay dra nitoby tao amigny tany nandrisy gny andron'i Davida, 46dra izy nahazo fakasitraha tao amigny fahitan'Agnahary dra nagnotany raha hahita toera honegna ho an'Agnaharin'i Jakoba.47Fa i Salomona gny namboasy gny tragno ho an'Agnahary. 48Na izay aza, gny Avo indrindra dra sy nipetraky tao amigny tragno vita tamigny tagn, araky gny voazakanigny paminany ho: 49"Gny lagnisy gny seza fiandriagnako, dra gny tany gny pisy tomboko. Tragno manahaky gny ino gny afaky amboarinao ho anahy? Hoy gny Topo, na toera manahaky gny ino gny hisarako? 50Sy tanako ra gny nanova reo raha aby reo?51Reo olo fatrasy hatoka vo sy voatapaky ao apo vo sofy, handrareo dra manohisy avo gny Fagnahy Masy; handrareo dra manao manahaky ze nataonigny razandrareo. 52Iza tamireo razandrareo gny sy nagneziky paminany? Nivonon'ereo gny paminany ze niseho talohanigny fiavianigny Fahamarigna, dra amizao handrareo dra lasa pamadiky vo pamono anazy koa, 53handrareo vahoaky ze nitakasy gny lalana ze napetran'ireo azely, kanefa sy nitanandrareo zay."54Dra gny fa nahare reo raha reo gny pikamba ao amigny fila-kevisy, tohy gny fon'ereo, dra nihily vaza ereo tamigny Stefana. 55Fa izy, ze feno Fagnalhy Masy, nagnety soa gny lagnisy dra nahita gny voninahin'Agnahary, dra nahita an'i jesosy nizoro teo akavanan'Agnahary. 56Stefana nizaka h: "Atio, hitako misokaky reo lagnisy, dra gny zanak'olo mizoro eo akavanan'Agnahary."57Teo amizay dra nitapenan'ireo pikamba ao amigny fila-kevisy gny sofin'ereo, dra nihiaky niaraky tamigny feo fatrasy, nihazakazaky ereo nagnegny aminazy. 58Nitarihin'ereo ivelanigny tana izy dra nanomboky nitora-bato anazy ereo, dra reo vavolombelo dra nametraky gny akazony teo amigny tombokigny zaza lahy atao i Saoly zay.59Gny fa nitora-bato an'i Stefa igny ereo, nitoka fatrasy gny Topo izy dra nizaka ho: "Topo Jesosy, reso gny fagnahiko." 60Nandohaliky izy dra nitoka tamigny feo fatrasy ho: "Topo, ka tana zao ota zao hanohera anereo." Gny fa boaky nizaka anizay izy dra nitafandry.
Chapter 8

1Nagneky gny fahafatesany i Saoly. dra nanomboky tamin'io andro io gny fagnezeha lahibe hanohera gny fengona ze tao Jerosalema; dra reo pino aby dra nipetraky nanera reo farisy Jodia vo Samaria, akoasy reo Apostoly. 2Reo lelahy matahosy an'Agnahary dra nandevy an'i Stefana dra nanao hira findala anazy. 3Fa Saoly dra nanola tateraky gny fengona; nitety tragno izy dra nangalaky reo lelahy vo reo apela, dra nandefa anereo tagny atragno mezy.4Fa reo poni ze niparitaky dra nandeha nitory gny teny. 5Filipo dra nizoso tagny amigny tanan-dehibenigny Samaria dra nitory an'i Kristy tamin'ereo .6Gny fa nahare vo nahita reo famatara ze nataon'i Filipo gny vahoaky maro, dra nifatiky soa tamize zinakany ereo. 7Reo Fagnahy maloto dra niboaky tamireo maro ze nilirany, nihiaky fatrasy, dra maro tamireo malemy vo kilemay gny nisitrany. 8Noho izay dra nisy fifalia lahibe tao amigny tanan-dehibe.9Fa nisy lelahy raiky natao ho Simona zay tao amigny tanan-dehibe ao, ze vo sela gny panao olo; matetiky napitolagaga reo vahoakinigny Samaria izy, gny fa mitalily fa izy dra olo manan-daza. 10Reo Samarita aby, monomboky amigny maraiky dra hantramigny lahibe indrindra, dra niteno soa anazy, dra hoy ereo ho: "Io lelahy io dra gny fehefan'Agnahary ze atao ho lahibe." 11Ereo dra niteno anazy, akory izy dra napitolagaga anereo fa nandrisy gny fotoa ela tamireo oliny.12Fa gny fa nino an'i Filipo ereo noho izy nitory gny filazasara momba gny fazakan'Agnahary vo gny agnaran'i Jesosy Kristy, dra natao batisa ereo, na lelahy na apela. 13Na i Simona aza dra nino, dra tafaranigny nanova batisa anazy dra nizano niaraky tamin'i Filipo avo izy. Gny fa nahita reo famatara vo asa lahibe ze niseho izy, dra gaga.14Dra gny fa renin'reo apostoly ao Jerosalema fa nitakasy gny zakan'Agnahary Samaria, dra nalefan'ereo tagny amin'ereo i Petera vo i Jaona. 15Gny fa nizoso ereo, dra nivavaky ho anereo ereo, ba mety hitakaran'ereo gny Fagnahy Masy. 16Fa mandrapahavian'izay fotoa zay, dra bo sy nisy nilasahanigny Fagnahy mihisy ereo; fa vita batisa tamigny agnaran'i Topo Jesosy avo. 17Boak'eo i Petera vo i Jaona dra nametraky gny tagnany teo amin'ereo, dra nitakasy gny Fagnahy Masy ereo.18Dra gny fa hitan'i Simona fa gny Fagnahy Masy dra natolosy teo atagnan'ireo apostoly tamigny alalanigny fametraha-tagna, dra nameny vola ereo. 19Hoy izy ho: "Ameo anahy avo koa zay fahefa zay, dra ze ametrahako tagna dra mety hitakasy gny Fagnahy Masy."20Fa hoy i Petera taminazy ho: "Ho levo miaraky aminao anie gny volafosinao, akory hanao nieriserisy gny hahazo gny fagnomezan'Agnahary amigny alalanigny vola. 21Hanao dra sy mana azara na apahany amizay raha zay, akory gny fonao dra sy mary amin'Agnahary. 22Noho izay mibebaha amigny faharasianao dra mivavaha amy Topo, so ba mety hamela gny fagnirianigny fonao Izy. 23Fa izaho mahita fa hanao dra voapoizinigny lolo-po vo voafehiny gny fahota hanao."24Simona namaly dra nizaka ho: "Mivavaha amigny Topo ho anahy, ba sy hisy hitranga aminahy reo ze nizakanao.25Gny fa nozoro vavolombelo vo nitalily gny zakanigny Topo ereo, dra nihery tagny aJerosalema agny i Petera vo i Jaona, nitory gny Filazasara tamireo tana maro ao Samaritana.26Dra nisy azenigny Topo nizaka tamin'i Filipo sady nizako ho: "Misangana vo mandehana magnasimonigny lala mizoso boaky a Jerosalema magnagny aGaza agny igny." ( Io lala io dra agny agnefisy.) 27Dra nisanga izy vo nandeha. Ingo, nisy lelahy boak'agny Etiopia, tandapanigny Kandasy, pazaka apelan'ireo Etiopiana. Izy gny nendrekisy gny raha aby. Avy tagny Jerosalema izy ba hidera. 28Dra noly izy dra nipetraky teo amigny kalesiny, dra namaky gny zakan'Isaia paminany.29Dra gny fagnahy nizaka tamin'i Filipo ho: "Mandehana dra ka miala lavisy an'io kalesy io." 30dra nihazakazaky nagnato anazy izy, dra nahare anazy namaky gny teny tao amin'Isaia paminany, dra nizaka ho: "Azona ra raha vakinao hoky io?" 31Nizaka gny Etiopia nanao anizahoky ho: "Ino gny hahafatarako, raha sy misy olo mitari-dala anahy?" Niangavy an'i Filipo izy ba hagnato gny kalesa dra hipetraky hiaraky aminazy.32Dra gny andala-sorasy masy ze nivakinigny Etiopiana dra nanao anizahoky ho: "Nindesy ho vono manahaky gny agnondry izy, dra manahaky gny zanak'agnondry moa, eo anoloanigny pagnety anazy, noho izay dra sy niloa-bava izy. 33Fa tamigny fagnalam-baraka anazy dra nala taminazy gny rariny. Iza gny afaky hamarisy tateraky reo taranany? Nohonigny ainy nala teto atany."34Noho izay dra nagnotany anigny tandapa i Filipo, nanao anizahoky ho: "Mitalao aminao zaho, iza gny zakan'io paminany io, gny vatany avo, sa olo-kafa?" 35Nanomboky nizaka i Filipo, dra nanomboky tamizay sorasy masy zay gny nitoriny gny filazasara momba an'i Jesosy taminazy.36Gny fa nandeha tegny an-dala ereo, dra nagnato tegny amize nisy rano ereo dra hoy tandapa ho: "Ingo, misy rano eto. Ino gny mahakasiky anahy sy atao batisa?" 37(Fagnamarigna: Hoy Filipo ho: "Raha mino amigny fonao manotolo hanao, dra afaky atao batisa." Gny Etiopia namaly ho: "Mino zaho fa Jesosy kristy gny Zanan'Agnahary."') 38Dra nasanigny Etiopia nazano gny Kalesa. Nizoso nagnegny amigny rano ereo, i Filipo vo gny tandapa, dra nataon' Filipo batisa izy.39Gny fa niboakby gny rano ereo, dra nandesinigny Fagnahinigny Topo i Filipo, dra sy hitanigny tandapa sasy izy, fa nandeha ta-pifalia tegny amigny lalany. 40Fa i Filipo dra niseho tagny Azota dra nitety io farisy io izy, nitory gny filazasara eraky gny tanan-dehibe aby mandrapahavianigny tany Kaisara.
Chapter 9

1Fa i Saoly, dra b nizaka fandrahogna avo eh fa dre hatramigny famonoa manohisy reo pianasy gny Topo aza, nandeha tagny amigny pisorom-be 2dra nagnotany anereo taratasy ho anireo Synagoga tao Damaskosy, dra gny mahita na iza na iza eo amigny lalany izy, na lelahy na apela, dra anesiny hifehy agny a Jerosalema agny ereo.3Raha bo nandeha izy, dra izao gny nitranga gny fa avy teo agnilan'i Damaskosy izy, tapoky teo dra nisy hazava namirapirasy nagnodidy anazy boakagny andagnisy agny; 4dra nezera tamigny tany izy dra nahare feo nizaka taminazy ho: "Saoly, Saoly , nagnino hanao magneziky anahy io?"5Saoly namaly ho: "Iza hanao io, Topoko?" Hoy gny Topo: "Zaho gny Jesosy ze azehinao io, 6fa misangana, milira ao amigny tana, dra ho zaka aminao ze sy maisy hataonao." 7Gny lelahy ze niara-dia tamin'i Saoly dra nizoro sy nahazaka, nahare gny feo, fa sy nahita an'iza na iza.8Nisanga i Saoly, dra gny fa nanokaky gny masony izy, dra sy afaky nahita na ino na ino izyyy; dra nitataran'ereo tamigny tanany izy dra nandesy tagny Damaskosy. 9Sy nahrasy izy nandrisy gny telo andro, dra sy nihina izy no sady sy ninorano.10Sea nisy pianasy tao Damaskosy atao i Ananiasy zay. Nizaka taminazy tamigny fahita gny Topo: "Ananiasy!" Hoy izy: "Ingo, tiky zaho, Topo." 11Nizaka taminazy gny Topo: "Misangana, dra mandehana agny amigny lala ze atao ho i Mahisy zay, dra gny fa ao atragnon'i Jodasy dra mangataha amigny lelahy boak'agny Tarsosy atao ho i Saoly, fa mivavaky izy. 12Fa nahita tamigny fahita gny fihavianigny olo atao ho Ananiasy ereo hametraky gny tagnany eo aminazy, dra mety hahita ndraiky izy."13Fa namaly Ananiasy ho: "Topo, fa nahare tamigny maro momba io olo io zaho, mahakasiky gny rasy nataony tamigny olonao masy tao Jerosallema. 14nana fahefa tamireo lohanigny pisoro izy dra hana,bosy ze mitoka gny agnaranao eto." 15Mandehana, fa izy dra fitova nifiliko, ba hinday gny agnarako eo anoloanigny Jentilisa vo reo pazaka dra gny zanak'Israely; 16fa hasehoko anazy ho ino gny fizaliany noho gny amigny agnarako."17Dra lasa i Ananiasy, dra nilisy tao amigny tragno. Nametraky gny tagnany teo aminazy, dra nizaka izy ho: "Rahalahy Saoly, gny Topo Jesosy, ze niseho taminao tegny an-dalan'aby nagnatiky hanao, gny nandefa anahy tatiky ba mety hahiratanao dra ho feno gny Fagnahy Masy." 18Teo no ho eo dra raha manahaky gny kira-trotro gny niendaky avy hatragny teo amigny mason'i Saoly, dra nahirasy izy; nisanga izy dra natao batisa; 19dra nihina izy dra nahazo hery. Nipetraky niaraky tamireo pianasy tao Damaskosy nandrisy gny andro maro izy.20Avy hatragny dra nitalily an'i Jesosy tao amigny Synagoga izy, nizaka fa Izy gny Zanan'Agnahary. 21Ze nahare anazy dra gaga dra nizaka ho: "Sy io olo io ra gny namono reo tagny Jerosalema ze nitoka tamin'io agnara io? Avy teto izy ba hangalaky anereo ho fahe ho agny amigny pisorom-be." 22Fa lasa nihanahery i Saoly, dra napasiaky gny Jiosy ze noni tao Damaskosy dra nagnaporofo fa Jesosy gny Kristy.23Tafaranignyy andro maromaro, nindray nanao drafisy ba hamono anereo Jiosy. 24Fa lasa fatras'i Saoly gny tetik'ereo, Dra nandigny gny vavahady andro amn'aly ba hamono anazy ereo. 25Fa nangalaky anazy tamigny hariva reo pianany dra nagnenga anazy hizoso tamigny rindry, napizoso anazy tao agnaty horogna.26Gny fa avy teo Jerosalema izy, dra nagnandra gny hagnato reo pianasy i Saoly, nefa natahosy anazy aby reo, sy nino fa pianasy izy. 27Fa nangalaky anazy i Barnabasy dra nanday anazy teo amireo Apostoly, dra nizaka tamireo izy ho ino gny nahitan'i Saoly gny Topo tegny aminazy, dra ino gny nitorian'i Saoly apahasahiragna tamigny agnaran'i Jesosy tao Damaskosy.28Nihao tamin'ereo izy gny fa nilisy dra niboaky an'i Jerosalema. Nizaka apahavania tamigny agnaran'i Jesosy Topo izy 29dra nialy hevisy niaraky tamireo Jiosy Grika; nefa bo niezaky gny hamono anazy avo ereo. 30Gny fa fatas'ireo rahalahy zay, dra nandesin'ereo nizoso tagny Kaisaria izy dra nalefany ho agny Torsosy izy.31Dra boak'eo, gny fengona nanera an'i Jodia aby, Galilia, dra Samaria nana fendagna dra voaory; dra, nandeha tami-tahosy gny Topo vo tamigny fapionognanigny Fagnahy Masy, dra nitombo isa gny fengona. 32Dra avy zayamizao, raha nandeha nanera gny farisy manotolo Petera, dra nandeha nizoso tagny amireo pino ze nipetraky tao amigny tanan'i Lyda avo koa izy.33Nahita olo atao i Aenasy zay tao izy, ze fa teo apandriany nandrisy gny valo tao, akory nalemy izy. 34Petera nizaka taminazy ho: "Aenasy, magnasitrany anao Jesosy Kristy. Misangana dra amboaro gny fandrianao," dra niaraky tamizay dra nisanga izy. 35Fa ze nipetraky tao Lyda vi tao Sarona aby dra nahita gny lelahy dra nitoliky tamigny Topo ereo.
37Tamireo andro reo dra narary izy dra maty; gny fa nanasa anazy ereo, dra napetran'ereo tao amigny efitragno agnabo izy.38Akory fa nagnariny an'i Lyda i Jopa, dra nahare reo pianasy fa teo Petera, dra nandefa olo rolahy tao aminazy ereo, niangavy anazy: "Mevia aminay agny sy misy hatak'andro re." 39Nisanga Petera dra nandeha niaraky tamin'ereo. Gny fa avy izy, dra ninday anazy tao amigny efisy agnabo ereo. dra gny pitondrategna aby nisanga teo agnilany nitomagny, naneho anazy akazo vo gny lamba ze nataon'ireo Dorkasy gny bo izy niaraky tamin'ereo.40Nalefan'i Petera tagny ivelanigny efisy ereo aby, nandohaliky, dra nivavaky; boak'eo, nitoliky tamigny razany, nizaka izy ho: "Tabita, misangana." Dra nanokaky gny masony izy boak'eo, dra nahta an'i Petera izy dra niary. 41Boakk'eo nanolo-tagna anazy Petera dra nananga anazy; dra gny fa nitoka reo pino vo reo pitondra tegna izy, dra nasehony tamin'ereo gny fahavelomany. 42Lasa fatasy nanera an'i Jopa aby zay raha zay, dra olo maro gny nino gny Topo. 43Tamizay Petera dra nipetraky andro maromaro niaraky tamigny lelahy raiky atao i Simona tao Jopa, ze pandoko hodisy.
Chapter 101Dra nisy lelahy raiky tao amigny tanananigny kaisaria, atao i Kornelio, kapitenin'ireo atoko Miaramila Italiana.

2Lelahy pivavaky izy, gny raiky ze midera an'Agnahary miaraky amigny akohonany aby; nagnome vola besaky anireo ze tao agnatinigny sy fahapia izy, dra nivavaky mandrakariva tamin'Agnahary.3Nagnodidy gny tamigny ora faha sivy mary teo ho eo, nahita mazava tamigny fahita azelin'Agnaha nagnato anazy izy. Gny azely nizaka taminazy ho: "Ry Kornelio!" 4Kornelio nibazy gny azely dra tena raiki-tahosy dra nizaka ho: "Fa ino tihoky topoko?" Gny azely nizaka taminazy ho: "Reo vavakao vo reo fagnomezanao ho anigny mahatra dra tafakasy ho fagnati-pahasiarova eo agnatrehan'Agnahary. 5Dra magniraha lelahy hagnagny amigny tananigny Jopa ba hangalaky gny lelahy raiky atao ho i Somona ze atao ho i Petera. 6Mipetraky miaraky amigny pandoko holisy atao ho Simona izy, ze egny amoron-dranosisy gny tragnony."7Gny fa lasa gny azely ze nizaka taminazy, dra nitoka gnyk rolahy tamigny ponopony tao atragno i Kornelio, dra maramila pivavaky raiky tamireo ze nanopo anazy. 8Kornelio nizaka tamin'ereo aby nitranga dra nandefa anereo tagny Jopa.9Dra gny maraindray nagnodidy gny ora fahaenia teo, raha bo tegny andala ereo dra nagnotany gny tana, dra niakasy tegny agnabo tafo-tragno i Petrera ba hivavaky. 10Nanomboky nihi-hare izy boaky eo nitalia raha ho hany, kanefa raha bo teo apahandroa hany gny olo, dra nahita fahita izy, 11dra nahita gny lagnisy nisokasy izy vo fitehiriza raiky nizoso, manahaky gny lamba be mizoso eto atany, apizosoa amigny zorony efasy. 12Tao gny nisy karazam-biby mana-tomboky efasy vo raha ze mandaly aby eto atany, dra gny voronigny lagnisy.13Dra nisy feo nizaka taminazy ho: "Misangana, ry Petera, mamono dra mihina." 14Fa i Petera nizaka ho: "Aha, Topo; fa bo sy nihina raha ze voarara vo sy malio mihisy zaho." 15Feseky avy taminazy fagnindro ndraiky gny feo ho: "Ze niliovin'agnahary, dra sy tokavy ho faly." 16Niseho itelo zay; dra boak'eo gny fitehiriza dra nihery niaraky teo no ho eo tagny an-dagnisy.17Dra gny fa very hevisy momba gny dikanigny fahita ze hitany i Petera, dra ingo, reo lelahy ze nalefan'i Kornelio nisanga nagnoloa gny vavahady, boak'eo ereo dra nagnotany ze lalan'ereo magnao atragno. 18Dra nitoka ereo dra nagnotany an'i Simona, natao avo koa ho Petera, ze nizano teo.19Raha bo nieriserisy bo gny fahita i Petera, dra nizaka taminazy gny Fagnahy ho: "Ingo, lelahy telo gny mitalia anao. (Fagnamariha: Gny amigny dika-zaka taloha dra ho: "Lelahy rolahy gny mitalia anao" na "misy lelahy ilailany mitalia anao.) 20Misangana dra mizosoa dra miaraha amin'ereo. Ka misasala miaraky amin'ereo, akory zaho gny nandefa anereo. 21Dra Petera nizoso tagny amireo lelahy reo dra nizaka ho: " Izaho gny taliavindrareo. Ino gny atony nahaviandrareo?"22Hoy ereo ho: "Gny kapiteny atao i Kornelio, lelahy mary dra olo ze midera an'Agnahary, dra soa laza agny amigny firenenigny Jiosy aby, ze nizakanigny azely masin'Agnahary ba hangalaky anao ho atragnony agny, noho izay dra afaky miteno gny hafasy boaky aminao izy." 23Dra nanasa anereo hilisy vo hizano hiaraky aminazy Petera. Gny maraindray marainigny dra nisanga izy dra niaraky tamin'ereo, dra gny ilany tamireo rahalahy boak'agny Joda dra nagnaraky anazy.24Gny andro magnaraky dra nagnao Kaisaria ereo. Kornelio dra nandigny anereo; tonoka miaraky gny havany vo gny namany mariny anazy.25Dra tamizaygny fa nilisy Petera, nifangahita taminazy i Kornelio dra nekohoky teo atombony ba hidera anazy. 26Fa Petera nagnapy anazy, nizaka ho: "Misangana! Zaho koa dra olo avo.27Raha bo nizaka niaraky taminazy i Petera, dra nilisy izy dra nahita olo maro be niara-niango. 28Hoy izy tamin'ereo ho: "Gny vatandrareo mahay fa sy ara-dala ho anigny Jiosy gny miara-miasa na mamangy olo boaky amigny firenena hafa. Fa Zagnahary nanehy taminahy fa sy tokony hitoka olo-paly na sy malio zaho. 29Zay gny atony nahaviako sy nisy fagnakasaha, gny fa nirahy zaho. Dra magnotany andrareo zaho ho nagnino handrareo gny magniraky ho anahy."30Kornelio nizaka ho: "Afasy andro melohan'izao ora izao indrindra, dra nivavaky tao atragnoko zaho tamigny ora fahasivy; dra nahita, lelahy raiky nisanga teo anoloako nanao akazo mamira. 31Hoy izy ho: 'Ry Kornelio, fa ren'Zagnahary gny vavakao, dra fagnomezanao ho anireo mahatra dra mapasiahy an'Agnahary gny momba anao. 32Noho izay dra magniraha olo ho a Jopa agny, dra tokavo magnagny aminao gny lelahy atao i Simona ze atao ho i Petera. Mitoboha ao atragnon'i Simona pando-kolisy atao ho: Simona izy, ze egny amoron-dranomasy.' (Fagnamariha: Gny dika-zaka taloha dra nagnapy ho: "Gny fa avy izy, dra hizaka aminao." 33Dra avy hatragny dra nalefako hanao. Soa gny fahavianao. Dra amizao, isika aby avy eto amason'Agnahary, ba hiteno ze nizakanigny Topo andrareo aby gny nizakanao." (Fagnamariha: "Raha tokony ho: "Nizakanigny Topo gny zaka." gny eo, dra gny dika-zaka taloha dra gny ho: "nizakan'Agnahary gny zaka.")34Boak'eo nanokaky gny vavany Petera dra nizaka: "Mary vatany, fataso fa Zagnahary dra sy miandany na amin'iza na amin'iza. 35Fa koa, agny amigny firenena sirairay na iza na iza gny midera vo manao asa mary dra ekeny avokoa.36Fatandrareo gny hafasy ze nalefany ho anigny olon'Israely, gny fa nitalily filazasara momba gny fedagna boaky aminigny alalan'i Jesosy Kristy izy, ze Toponigny aby- 37Handrareo vatandrareo dra mahay reo raha niseho, ze tena nitranga tao amigny toeran'aby tao Jodia, nanomboky tagny Galilia, tafaranigny batisa ze zinakan'i Jaona; 38reo raha-nitranga mikasiky an'i Jesosinigny Nazareta anazy tamigny Fagnahy Masy vo tamigny hery. Nandeha nanao sao izy sady nagnasitragny reo ze voafehinigny devoly aby, akory Zagnahary dra niaraky taminazy.39Isika dra vavolombelon'ireo raha-bitan'i Jesosy aby, tagny amigny taninigny Jiosy vo tany Jerosalema. Nivonon'ereo izy tamigny haza, 40fa Zagnahary nananga anazy tamigny andro fahatelo dra nanao ze hahita anazy, 41sy reo olo aby, fa reo vavolombelo ze voafilin'Agnahary meloha- tamisik ze nihina vo nino niaraky taminazy tafaranigny nisanganany tamigny maty.42Nandidy anay izy ba hitalily amigny olo vo hizoro vavolombelo fa izy raiky gny nifilin'Agnahary ho pisaranigny velo vo gny maty. 43Ho anazy gny hizoroany paminany aby vavolombelo, dra ho reo ze mino anazy gny hitakasy famela-keloky amigny alalanigny agnarany.44Raha bo nizaka anizay raha zay i Petera, dra nilasaky tamireo ze niteno gny hafany gny Fagnahy Masy. 45Reo olo tao agnatinigny vondronigny pino voatapak'ireo ze niaraky tamin'i Petera aby-dra gaga, akory gny fagnomezanigny Fagnahy Masy dra narosaky ho anigny Jentilisa avo koa.46Fa ren'ereo reo Jentilisa ze mizaka amireo fizaka hafa makalaza an'Agnahary. Dra namaly Petera ho: 47Moa ra misy olo afaky mita rano ba sy hanova batisa anereo, reo olo ze nitakasy gny Fagnahy Masy manahaky asika ? 48Dra nandidy anereo ba hatao batisa amigny agnaran'i Jesosy Kristy izy. Dra nangataky anazy ereo ba hitoby hiaraky amin'ereo mandrisy gny andro siapy.
Chapter 11

1Dra reo apostoly vo reo rahalahiny ze tagny Jodia nahare fa reo Jentilisa avo koa dra nitakasy gny Zakan'Agnahary. 2Gny fa niakasy tagny Jerosalema i Petera, reo ze tao amigny atokon'ireo voatapaky dra nagnakia anazy; 3hoy ereo ho: "Hanao nikamba niaraky tamireo lelahy sy tinapaky sady nihina niaraky tamin'ereo!"4Fa Petera nanomboky nagnazava gny raha-nitranga tamin'ereo tamigny asipirihany; hoy izy ho: 5"Nivavaky tagny amigny tananigny Jopa zaho, dra nahita fahita gny amigny fisian-draha raiky ze nizoso, manahaky gny lamba lahibe nahily boak'agny andagnisy tamireo zorony efasy zaho. Nizoso teo aminahy zay. 6Nibazy anizay zaho dra nisaisay momba anizay. Nahita reo biby mana-tombony efasy gny tany, reo biby dia, reo bibi mandaly, vo reo voro egny amigny lagnisy zaho.7Boak'eo zaho dra nahare feo nizaka taminahy ho: "Misangana, ry Petera; mamono dra mihinana." 8Hoy zaho ho: "Aha, ry Topo; fa sy bo nisy raha sy masy na maloto mihisy nilisy tato am-bavako." 9fa gny feo namaly boaky andagnisy agny ho: "Ze zinakan'Agnahary fa malio, aza ka ato ho maloto." 10Niseho itelo zay, dra boak'eo dra nalany nihery niakasy tagny andagnisy ndraiky gny raha aby.11Ingo, teo no ho eo dra nisy telo lahy nisanga teo anoloanigny tragno nisy anay; nalefako boak'agny Kaisaria nagnagny aminahy ereo. 12Gny Fagnahy dra nandidy anahy hiaraky amin'ereo, dra sy tokony hagnisy fagnatia tarehy amin'ereo zaho. reo rahalahy enina reo dra nandeha niaraky taminahy, dra nagnao atragnonigny lelahy zahay. 13Izy nizaka taminay gny nahita azely raiky nisanga taminay gny nahitany azely raiky nisanga tao atragnony dra nizaka ho: "Magniraha lelahy agny Jopa dra andeso mihery i Simona ze atao ho i Petera. 14Izy dra nizaka hafasy raiky aminao ze havoavozy anao_Hanao vo gny akohonanao aby.15Raha vo manomboky nizaka tamin'ereo zaho, gny Fagnahy masy dra niavy tamin'ereo, manahaky gny nizosoany taminay tagny ambolohany. 16Saroako gny zakanigny Topo, gny nizakany ho: "Jaona nanao batisa tamigny rano vatany; fa handrareo dra mila hatao batisa ao amigny Fagnahy Masy."17Ko raha Zagnahary nagnome anereo gny fagnomeza mitovy amize nameny asika tamy isika nino anigny Topo Jesosy Kristy, iza zaho, gny ho afaky hanohy an'Agnahary?" 18Gny fa ren'ereo zay raha zay, sy nizaka na ino na ino hindesi-mamaly ereo, fa nidera an'Agnahary koa ereo dra nizaka ho: "Dra Zagnahary nameno Fibebaha ho fiegna ho anireo Jentilisa avo koa."19Dra reo ze naparitaky noho gny fagnezeha ze niatomboky tamigny fahafatesan'i Stefana dra niely lavisy tagny Foinika agny, Kyprosy, dra Antioka, fa ereo dra nizaka gny hafasy momba an'i Jesosy tamireo Jiosy reo avo. 20Fa gny ilany tamin'ereo, dra lelahy boaky a Kyprosy agny vo Kyrena agny, dra nandeha tagny Antioka, dra nizaka tamireo Grika avo koa, nizaka tamin'ereo gny filazasara momba gny Topo Jesosy. 21Gny tagnanigny Topo dra niaraky tamin'ereo; maro isa gny nino vo nitoloky tamigny Topo.22Reo vaovao momba anereo dra avy egny asofonigny fengona tao a Jerosalema, dra ereo nagniraky an'i Barnabasy hatragny Antioka. 23Gny fa avy izy dra nahita gny fagnomezan'Agnahary, dra ravoravo izy; dra izy napahery anazy aby ba hitoby miaraky amigny Topo amigny fon'ereo aby. 24Akory izy dra lelahy soa sady feno gny Fagnahy masy vo Finoa, dra olo maro gny niapy ho anigny Topo.25Dra nandeha nagna Tarsosy agny i Barnabasy ba hitalia an'i Saoly. 26Gny fa hitany izy, dra nizaka ta Atioka agny. Dra nandrisy gny heritao magnizisy ereo dra niara-niango niaraky tamigny fengona dra napianasy olo maro. Reo pianasy dra tonoka volohany ho Kristiana tao Antioka.27Dra tamizay andro zay dra nisy paminany maromaro nizoso boak'agny a Jerosalema agny nagnagny Antioka. 28Raiky tamin'ereo, i Agabo gny itokava anazy, nisanga dra natoronigny Fagnahy fa hisy mosary lahibe hitranga manera anizao totolo izao. Nitranga zay tamigny andron'i Klaodio.29Noho izay, reo pianasy, araky gny fahafahanigny sirairay aby, dra nanapakevisy gny handefa fagnapia ho anireo rahalahy tagny Jodia. 30Nanao anizay ereo; nandefa vola ho anireo loholo ereo tamigny tagnan'i Barnabasy vo i Saoly.
Chapter 12

1Dra tamizay andro zay Heroda pazaka nanambosy reo ilany ze anigny fengona ba hahafahany mapizaly anereo. 2Nivonony tamigny mesa Jakoba rahalahin'i Jaona.3Dra gny fa hitany fa nahafaly reo Jiosy zay, dra nanao ze hanambora an'i Petera koa izy. Izay dra nandrisy an'i Petera koa izy. Izay dra nandrisy gny andronigny mofo sy misy masirasira. 4Gny fa boaky nisambory izy, dra nataony tagny apoza izy dra nanendry maramila efa-toko hiamby anazy, nikasa gny hinday anazy eo amigny olo afaranigny Paska izy.5Noho izay dra nitanany tao apoza Petera, fa gny vavaky dra nataon'ireo ze tao apengona fatrasy tamin'Agnahary ho anazy. 6Gny hariva alohanigny hindesan'i Heroda anazy hosara, Petera dra nandry teo agnelagnelanigny maramila ro lahy, voafehy tamigny ravaky rolahy, raha bo nizano niamby gny foza gny piamby teo alohanigny vantrangara.7Ingo, nisy azelinigny Topo niseho tapoky teo agnilany, dra nisy hazava namirasy tao agnatinigny sfisy gny foza. Nazera an'i Petera teo amigny ilany izy dra nanokaky anazy dra nanao anizahoky ho: "Misangana malaky." dra reo ravany niala tamigny tagnany. 8Gny azely nizaka taminazy ho: "Apekazogno gny vatanao dra atovy gny kiraronao." Dra nataon'i Petera araky anizay. Gny azely nizaka taminazy ho: "Atovy gny akazonao ivelany dra magnaraha anahy."9Dra nagnaraky gny azely igny Petera dra niboaky. Sy fatany fa reo ze nataonigny azely dra tena izy. Nihevisy izy fa nahita fahita. 10Gny fa boaky nandalo teo amigny piamby volohany vo faharo ereo, dra avy teo amigny vavahady vy dra minday magnagny amigny tana; nisokaky ho azy tamin'ereo zay. Niboaky ereo dra niboaky tamigny lala raiky, dra gny azely nagnenga anazy amizay.11Gny fa nihery tamigny vatany Petera nizaka izy ho: "Amizao dra fataso mary fa gny Topo gny nandefa gny azely dra nagnafaky anahy tamigny tagnan'i Heroda, vo tamigny raha aby ze nandresanigny Jiosy hiseho. 12Gny fa tonga say tamizay izy, dra nagnagny amigny tragnon'i Maria renin'i Jaona, atao i Marka avo koa, ze nisy olo maro nivory vo nivavaky.13Gny fa nandondo teo ambavahady izy, nisy panopo apela raiky atao i Roda zay avy namaly. 14Gny fa fatany gny feon'i Petera, tamin-kafalia dra sy nahavita namoha gny vatrangara izy; fa koa, nadeha nihazakazaky nagna atragno agny izy, nitateriny fa Petera nizoro teo ambavahady. 15Dra nizaka taminazy ereo ho: "Mola hanao." Fa nagnizingizy izy fa izahay gny izy. Nizaka ereo ho: "Gny azely zahay."16Fa petera nanohy nandondo, dra gny fa nisokafin'ereo gny vatrangara, dra nahita anazy ereo dra nigaga. 17Petera nagnesiky gny tagnany tamin'ereo ba hizano, dra nizakany tamin'ereo gny fomba nindesanigny Topo anazy niboaky gny foza. Hoy izy ho: "Tateraho agny amin'i Jakoba vo reo rahalahiny zay raha zay. "Dra niala izy dra nandeha tagny atamigny toera hafa.18Dra gny fa nazava gny andro, dra sy nisy fietagnam-po nasaiky teo amireo maramila gny amize nitranga tamin'i Petera. 19Gny fa boaky nialy anazy Heroda dra sy nahita anazy, dra nagnadihady gny piamby izy dra nandidy anereo ba hovono. Dra nizoso boaky a Jodia agny nagna amin'i Kaisaria agny izy dra nitoby tagny.
21Tamigny andro voatondro Heroda dra napekazo gny vatany akazo pazaka dra nipetraky teo amigny seza fiandriagna; nikabaro tamin'ereo izy.22Nihiaky gny vahoaky: "Izay dra feon'Agnahary, fa sy an'olo!" 23Teo noho eo dra nisy azelinigny Topo namaly anazy; akory sy nagnome voninahisy an'Agnahary izy; nagnino gny kaka izy dra maty.24Fa gny zakan'Agnahary nitombo vo nihamaro. 25Dra gny fa vitan'i Barnabasy vo i Saoly gny iraky napanovy anereo, dra nihery boakagny ereo [Gny ilany amireo dika sorasy tranainy mizaka ho: "Ereo dra nihery ta Jerosalema agny] Jerosalema ereo, ninday an'i Jaona niaraky tamin'ereo, ze atao i Marka avo koa.
Chapter 13

1Dra tao amigny fengona tao Antioka, dra nisy paminany vo papianasy maro tao. Ereo dra Barnabasy, Simona ( Ze atao ho i NiGera), Lisiosa boaky amin'i Sirena, Manaena ( gny rahalahy ze niolonono tamin'i Heroda pazaka), dra Saoly. 2Raha bo nidera gny Topo vo Nifaly hany ereo, gny Fagnahy Masy nizaka ho: "Atokany ho anahy Barnabasy vo i Saoly, ba hanao gny asa ze nitokavako anereo." 3Tafaranigny nifilian'ereo hany, vo nivavahany, dra nametrahan'ereo tagna tamireo lelahy reo, ereo dra nalefan'ereo.4Dra nakato gny Fagnahy masy i Barnabasy vo i Saoly dra nandeha nizoso nagna Selosia agny; boak'egny ereo dra nitikisy sambo ho agny amigny nosinigny Sipra. 5Gny fa tao amigny tananigny Salamina ereo, dra nitory gny zakan'Agnahary tao amigny Synagogan'ireo Jiosy ereo. Dra nana an'i Jaona Marka koa ereo ba ho pagnapy anereo.6Dra gny fa nimakivaky gny nosy raiky manotolo magna Pafosy agny ereom, dra nahita manao aly, ze paminany Jiosy sandoky, gny agnarany dra i Bara Jesosy. 7Panao oly ze niara-niasa tamireo governora, Serjio Paolosy, lelahy tena mahay. Nisamborin'io lelahy io Barnabasy vo i Saoly, akory te hahare gny zakan'Agnahary izy. 8Fa Elimasy "panao oly" (izay gny nandika gny agnarny) nanohisy anereo; dra niezaky gny hagnaligno gny governora hiala amigny finoa izy.9Fa i Saoly, atao avo koa ho i Paoly, dra feno gny Fagnahy Masy, dra nandiniky anazy soa. 10Dra nizaka ho: "Hanao ry zanaky gny Devoly, hanao dra feno gny karaza-pitaky vo faharasia aby. Fahavalonize mary hanao. Sy hizano gny hame lala-mahisinigny Topo mihisy hanao, sa sy zay?11Fa ingo amizao, gny tagnanigny Topo eo aminao, dra ho lasa poaky hanao. Dra sy hahita gny masoandro aza hanao. "Teo no ho eo dra nilasaky tao amin'i Elimasy gny fahazavogna vo gny fahamezigna; nivezivezy nagnataky tamigny olo izy ba hitata anazy amigny tagna. 12Gny fa boaky nahita ze raha niseho gny governora, dra nino izy, akory gaga tamigny fapenara momba gny Topo izy.13Dra Paoly vo gny namany dra lasa nitikisy sambo boaly Pafosy nagnagny amigny Perga agny Pafilia. Fa Jaona koa nagnenga anereo dra nihery ta Jerosalema agny. 14Paoly vo reo namany dra nandeha boaky a Perga agny dra nagna Antiokian'i Pisidia, dra tao nandeha nagna amigny Synagoga tamigny andronigny Sabata ereo dra nipetraky. 15Tafaranigny famakia gny lala vo gny paminany, dra nandafa hatara tagny ho: "Ry rahalahy, raha manana hafasy fapahereza ho anigny olo eto handrareo, dra zakao izay."16Dra nisanga Paoly dra nanao fihesiky tamigny tagnany, nizaka ho: "Ry olon'Israely dra handrareo ze magnome voninahisy an'Agnahary, miteno. 17Gny Zagnahary gny olon'Israely dra nisafidy gny babasika dra nipetraky tao amigny taninigny Egypta, dra tamigny fanandrata gny sandriny gny nitarihiny anereo hiboaky tao. 18Dra nandrisy gny efapolo tao teo ho eo gny nandeferany anereo tagny agnefisy. (Fagnamariha: Gny dika-zaka taloha dra mivaky manahaky anizao: "Nandrisy gny efapolo tao eo ho eo dra niahy anereo tagny agnefisy izy.)"19Dra gny fa boaky nandrava firenena fito tagny amigny tany Kanana izy, dra nameny gny vahoakisika gny tanin'ereo ba ho lova. 20Izay raha zay niseho zay dra fa tamigny faha dimapolo vo efa-zato tao. tafaran'izay raha zay aby, Zagnahary nagnome pisara anereo mandra-piavin'i Saela paminany.21Dra nangataky pazaka gny oloboak'eo, dra Zagnahary nagnome anazy an'i Saoly zanadahin'i Kisa, lelahy avy amigny fokon'i Benjamina, ba ho pazaka mandrisy gny efapoly tao. 22Dra boak'eo Zagnahary nagnalaky anazy teo amigny fazakany, dra nanadrasy anazy teo amigny fazakany, dra nanandrasy an'i Davida ba ho pazakan'ereo. Fa izay gny nizakan'Agnahary momba an'i Davida ho: "Fa nahita an'i Davida zanak'i Jesea zaho ba ho olonigny foko, ze hanao ze toako aby hataony.23Fa boaky amigny taranak'io lelahy io gny hindesan'Agnahary panovosy ho an'Israely, dra i Jesosy, araky ze fa napanatenany hatao. 24Nanomboky niseho zay, talohanigny nahavian'i Jesosy, Jaona zinaka volohany tamigny vahoakin'Israely aby momba gny batisanigny fibebaha. 25Akory i Jaosy fa nahavita gny asany, dra hoy izy: "Iza gny hieriseretandrareo anahy? Sy izaho gny izy. Fa hiteny, hisy raiky ho avy afarako, dra gny kiraronigny tombony dra sy hahamendriky anahy gny hamaha anazy.26Ry rahalahy, zanakapelany boaky amigny taranak'i Abrahama, dra ze midera an'Agnahary aby eo amindrareo, ho asika gny nandefasa anizay hafasy mombanigny fomoze anizay. 27Fa reo ze mipetraky agny Jerosalema, vo gny pinday anereo, dra sy nahafatasy anazy, dra taterak'ereo gny voazakanigny paminany ze vakiny isa-sabasy gny amigny fanameloha anazy.28Na dre sy mahisy atony soa hamonoa anazy izy ereo, dra nangataky tamin'i Pilaty avo ba hamono anazy. 29Gny fa taterak'ereo gny raha aby ze voasorasy momba anazy, dra napizoson'ereo tegny amigny hazo izy dra napandriany tao andolo.30Fa Zagnahary koa napisanga anazy tamigny maty. 31Dra hitanireo ze niara-niakasy taminazy boak'agny Galilia magna gny Jerosalema izy nandrisy gny andro maromaro. Dra amizao dra reo olo reo gny vavolombelony ho anigny olo.32Noho izay zahay mizaka mizaka amindrareo gny fizarasoa ze napanatenan'Agnahary tamigny babasika ze fa taterany ho asika, 33zanak'ereo, tamigny nananganany an'i Jesosy. Arakize fa voasorasy ao amigny salamo faharo ho: 'Zanakao hanao, amizao dra ho lasa babanao zaho.' 34Gny atony nanangana anazy tamigny maty dra gny basy hahasola gny vatany, Zagnahary nizaka manahaky anizao: 'Hameko andrareo gny fahita masy vo azo atoky napanatena an'i Davida."35Izay koa gny nahavy anazy nizaka tao amigny salamo hafa ho: "Sy hagnenga gny Masy hahita gny lo hanao." 36Akory gny fa nagnatateraky reo fagnirin'Agnahary ho anigny taranany i Davidra dra azo-tory izy, dra napandria niaraky tamireo babany izy dra gny vatany niharanigny fahavalony. 37Fa izy nasangan'Agnahary dra sy niharanigny faharava.38Dra aoky ho fatandrareo anizay, ry rahalahy, fa tamigny alalani'io lelahy io gny nitalilia tamindrareo gny famela gny fahota. 39Amigny alalany gny olo sirairay ze ze mino dra voamary amigny raha aby ze mety sy ho voamarn'io lalan'i Mosesy io.40Dra mitandrema ba sy hiseho amindrareo ze raha nizakanigny paminany ho: 41"Ingo, handrareo ry paneso sinosino, dra ho gaga dra ho levo. Fa Izaho manao asa amigny androndrereo, Asa ze sy ninoandrareo mihisy, na dra misy olo mitalily anizay amindrareo az."42Gny fa lasa i Barnabasy vo i Paoly, dra niangavy anereo gny olo ba hitaragnen'ereo tegny reo avo amigny Sabata magnaraky. 43Gny fa tapisy gny fivoria tao amigny Synagoga, dra maro tamigny Jiosy vo reo proselita mahafatra-po gny nagnaraky an'i Paoly vo i Barnabasy, ze nizaka tamin'ereo vo napirisiky anazy ba hanohy ao amigny fahasovan'Agnahary.44Tamigny mesa magnaraky, dra saiky gny tana manotolo gny niaraky niango ba hahare gny zakany Topo. 45Gny fa nahita reo vahoaky gny Jiosy, dra feno fialogna ereo dra nizaka nonohisy reo rava ze nizakan'i Paoly vo nagneso anazy.46Fa Paoly vo i Barnabasy apahaviahia dra nizaka ho: "Taliavy ho voalaza amizao amindrareo meloha gny zakan'Agnahary. Fa gny fa manosiky anizay handrareo dra mihevisy gny vatandrareo ho sy mendriky gny fiegna madrakizay, dra ingo, hihery agny amigny Jentilisa zahay. 47Araky ze fa nandidianigny Topo anay, manao anizahoky ho: "Napetrako ba ho fahazavanigny Jentilisa handrareo, zay gny tokony hindesandrareo famozena ho anireo ze agny amigny fara-vaza-tany."48Gny fa nahare anizay gny Jentilisa, dra faly vo nidera gny zakanigny Topo. dra maro reo ze voatendry ho amigny finoa gny fiegna mandrakizay gny nino. 49Dra gny zakanigny Topo dra niely eraky gny farisy manotolo.50Fa gny Jiosy koa dra napirisihiny reo apela mahafatra-po vo mana-daza, vo reo lelahy pitariky tao atana. Niteraky fagnezeha ho an'i Paoly vo i Barnabasy zay dra niapy anereo ho agny ivelanigny sisi-taninigny tany. 51Fa Paoly vo i Barnbasy nagnisa gny botany tamigny tombon'ereo ba hanohera anereo. Dra boak'eo ereo dra nagnagny amigny tagnan'i Ikoniama. 52Dra gny pianasy dra feno hafalia vo gny Fagnahy Masy.
Chapter 14

1Dra tamizay tao Ikonioma Paoly vo i Barnabasy nindray nilisy tao amigny Synagoganigny Jiosy dra nizaka tapazotoa dra gny vahoaky marobe Jiosy vo Grika dra nino. 2Fa gny Jiosy ze sy nakato koa dra nagnakorota gny fisianigny Jentilisa dra nahavy anereo hanohisy reo rahalahy.3Dra nitoby ela teo ereoo, nizaka apahavania niaraky tamigny herinigny Topo, tamigny nagnomeza porofo mahakasiky gny hafasy gny amigny fahasoavany. Izy nanao anizay tamigny alalanigny famatara vo fahagaga ze natao tamigny alalanigny tagnan'i Poaly vo i Barnabasy. 4Fe seky gny akamaroanigny tana dra nizarazara: gny olo ilany niandany niaraky tamireo Jiosy, dra gny ilany niaraky tamireo apostoly.5Gny fa nagnandra nandresy lahasy gny pitariky anereo gny Jentilisa vo gny Jiosy ba hamono vo hitora-bato an'i Paoly vo i Barnabas, 6dra nazary nivony ereo dra nienga malaky tao atananigny Lykaonia, Lystra vo Derbe, vo reo tana magnodidy gny farisy, 7dra tagny ereo gny nitalily gny filazasara.8Nisy lelahy raiky nipetraky ta Lystra ao, malemy gny tombony, bopaky atrondreniny agny, zefa sy nandeha hatramizay. 9Io lelahy io nahare an'i Paoly nizaka. Paoly nagnatriky anazy soa teo amigny masony dra nahita fa mana finoa gny ho sitrany izy. 10Ko nizaka taminazy izy tamigny fo mahery ho: "Misangana amigny tombonao hanao." Gny fa boakeo gny lelahy igny dra nisanga , nidikodikosy dra nandeha teo amigny magnodidy.11Gny fa nahita anize nataon'i Paoly reo vahoaky maro be dra nanandrasy gny feony ereo, nizaka tamigny fizakanigny Lykonia ho: "Nizoso boaky andagnisagny ho amisika amigny endrik'olo gny Zagnahary." 12Nitoka an'i Barnabasy ereo ho: "Jopitera" dra i Paoly " Merkory", akory izy gny pandaha-teny. 13Gny pisoron'i Jopitera, zay gny tepoly dra teo ivelanigny tana, dra ninday agnomby vo fehiloha vy teo ambavahady; izy vo gny vahoaky maro be nikasa hagnome soro.14Fa gny apostoly, Barnabasy vo i Paoly gny fa nahare anizay dra naniasy gny akazony ereo dra nandeha malaky ho ao agnatiny gny vahoaky, ntaray vo nizaka ho: 15"Ry rahalahy, nagnino handrareo gny manao anizay raha zay? Izahay avo koa dra olombelo mitovy fahasapa amindrareo koa. Izahay minday gny filazasara ho andrareo, ba hindesandrareo hiala amizao zava-poa zao ho agny amin'Agnahary velo, ze nanao gny lagnisy, gny tany, dra gny ranomasy vo gny raha aby, Izy dra nagnenga gnyt firenena aby nandeha tamigny lalany manoka aby.17Kanefa, Izy dra sy nagnenga gny vatany sy hisy vavolombelo, tao amizay dra nanao gny soa Izy dra nagnome andrareo ranon'ora boaky andagnisy agny vo vani-potoa mahavokasy, dra hameno gny fondrareo amigny hany vo firavoravoa." 18Fa na dre tamizay zaka zay aza, Paoly vo i Barnabasy dra sy nasahasy nihazo gny vahoaky maro be sy hanao soro ho anaereo19Fa gny Jiosy boaky ao Antiokia vo Ikonioma dra avy dra nandresy lahasy gny vahoaky. Ereo nitora-bato an'i Paoly vo nitariky anazy hiboaky gny tana, dra nieriserisy fa maty izy. 20Dra raha bo nizoro nagnodidy anazy teo reo pianasy, dra nisanga izy dra nilisy gny tana. Gny maraindray, dra nandeha nagna Derbe agny niaraky tamin'i Barnabasy izy.21Boak'eo ereo nitalily gny filazasara tao amize tana zay dra nahazo pianasy maro, nihery ta Lystra ao ereo. ta Ikonioma ao, vo ta Antiokia agny. 22Ereo dra nanohy napahery gny fagnahin'ireo pianasy dra napirisiky anazy ba hanohy ao amigny finoa, no sady nizaka fa: "Sy maisy amigny fahoria maro be gny hilirasika ao amigny fazakan'Agnahary."23Gny fa nanendry loholo ho anereo teo amigny isa-pengona ereo, vo nivavaky tamigny fifaliakany, dra natolon'ereo ho anigny Topo zay, ze ninoan'ereo. 24Dra nandalo tamigny Pisidia ereo dra niavy ta Panfilia. 25Gny fa nitalily gny zaka tao Perga ereo, dra nandeha nizoso ta Italia agny. 26Boak'agny ereo gny nitikisy sambo nizoso ho agny Antiokia, ze nahazoanereo fahasoavan'Agnahary ho anigny asa ze vitan'ereo amizao.27Gny fa avy ta Antioka agny ereo dra namory niaraky gny fengona, dra nitatisy gny raha aby ze vitan'Agnahary tamin'ereo, vo ho ino gny namoahany vatrangaranigny finoa ho anireo Jentilisa. 28Dra nizano fotoa ela niaraky tamireo pianasy ereo.
Chapter 15

1Gny olo ilany dra nandeha boaka Jodia agny hatragny Antiokia dra napianasy reo rahalahy, dra nizaka ho: "Raha sy vita tapaky araky gny fomba fanaon'i Mosesy handrareo, dra sy ho voavozy handrareo." 2Izay dra ninday an'i Paoly vo i Barnabasy tao agnaty fifandira vo aly hevisy tamin'ereo. Noho izay i Paoly vo i Barnabasy dra voatery niaraky tamigny ilany hafa tamin'ereo hiakasy a Jerosalema agny ba hihaogna amireo apostoly vo reo loholo momba anizay fognotania zay.3Noho izay ereo, nalefanigny fengona, dra namakivaky an'i Foinika vo i Samaria dra nitalily gny fiova-pon'ireo Jentilisa. Ereo dra ninday hafalia lahibe tamireo rahalahy aby. 4Gny fa avy ta Jerosalema ao ereo, dra nitakarinigny fengona vo reo apostoly dra reo loholo, dra nitatisy reo raha aby ze nataon'Agnahary tamin'ereo.5Nefa gny olo ilany ze nino, ze tao amigny tarik'ireo Fariseo, dra nisanga vo nizaka ho: "Taliavy gny manao fanapaha anereo vo gny mibaiko anereo vo gny mibaiko anereo hitandry gny lalan'i Mosesy." 6Noho izay reo Apostoly vo reo loholo dra nindray nivory ba handiniky anizay raha-misy zay.7Tafaranigny aly lahibe, nisanga i Petera dra nizaka tamin'ereo ho: "Ry rahaly, fatasao fa taloha ela be Zagnahary gny nanao safidy teo amindrareo, ba ho amigny alalanigny vavako dra tokony hahare gny zakanigny filazasara reo Jentilisa, dra hino. 8Zagnahary ze manahafatasy gny fo, vavolombelo amin'ereo, nagnome gny Fagnahy masy anereo, Manahaky gny nataony tamisika; 9dra sy nanao fagnavakavaha tamisika vo tamin'ereo Izy, nagnalio gny fon'ereo tamigny finoa.10Dra noho izay nagnino handrareo gny misapa an'Agnahary, ho tokony hametrahandrareo zioga eo amigny vozon'ireio pianasy nefa na gny razasika na isika aza sy mahavita milaza? 11Nefa mino sika fa ho voavozy amigny alalanigny fahasoavn'i Topo Jesosy, manahaky anereo avo koa.12Gny olo aby drasy narevoky nandrisy gny nitenoan'ereo an'i Barnabasy vo i Paoly mitatisy reo famatara vo reo fahagaga niasan'Agnahary ze niasa tamireo Jentilisa tamigny alalan'ereo.13Gny fa nizano nizaka ereo, dra namaly Jakoba, nizaka ho: "Ry rahalahy, tenoy zaho. 14I Simeona dra fa nizaka gny fomba nagnapin'Agnahary ta-pahasoava volohany reo Jentilisa ba hangalaky amin'ereo olo ho anigny agnarany.15Reo zakan'ireo paminany dra momba anizay, araky gny voasorasy ho: 16'Afaran'ireo raha reo dra hevero zaho, dra hananga ndraiky gny tragno lain'i Davida zaho, ze fa nezera; hanambosy vo hagnery amigny loniny ndraiky reo faharavany zaho, 17ba hitalia gny Topo reo olo sisa tavela, ao agnatin'izay reo Jentilisa aby ze atao amigny agnarako.' 18Izao gny zakanigny Topo, reo ze fa nanao reo raha reo ze fa fatasy tamireo razambe faela. (Fagnamariha: Reo dika-zaka ilany taloha dra mivaky manahaky amizao: "Izao gny nizakanigny Topo, amireo ze fatasy tamigny andro faela gny ilany aby.19Noho izay, gny heviso dra sy tokony hagnakorota reo boaky amigny Jentilisa ze nitoliky tamin'Agnahary isika. 20Fa isika dra hanorasy ho anereo fa sy maisy miala amigny fahalotoan'ireo sapy ereo, amigny fahavetaveta, dra amigny hegnan'ireo biby vono, vo amigny lio ereo. 21Akory Mosesy dra fa voazaka tamigny isa-tana tamigny andro faela dra izy vaky ao amireo Synagoga isaky gny Sabata.22Dra tao soa tamireo apostoly vo reo loholo, niaraky tamigny fengona manotolo, gny hifily an'i Joda ze atao ho i Barnabasy, vo i Silasy, pitariky gny fengona, vo gny handefa anereo agny Antokia agny miaraky amin'i Paoly vo Barnabasy. 23Ereo dra nanorasy anitiky: "Hatragny amireo apostoly vo reo loholo, reo rahalahy boaky a Jentily agny, boaky Antiokia, Siria, vo Kilikia: Arahaba!24Isika dra fa nahare fa reo olo ilany dra niala tamisika, sy nisy baiko boaky amisika, dra nagnelingely andrareo tamireo fapenara ze napikorota gny fagnahindrareo. 25Izao gny izy, zahay aby dra fa nagneky gny hifily reo lehaly vo handefa anereo agny amindrareo miaraky amin'i Barnabasy vo i Paoly malalanay, 26lelahy ze nanao gny ainy sy ho ay ho anigny agnaran'i josesy Kristy Toposika.27Noho izay zahay dra magniraky an'i Joda vo i Silasy, nizaka amindrareo io raha io avo amigny zakan'ereo manoka. 28Fa ho soa amigny fagnahy Masy vo aminay, gny sy hapendesa anaereo eta lahibe noho reo raha tena taliavy reo: 29ba hialandrareo amireo raha nataondrareo ho fagnatisy amigny sapy, lio, reo raha nivono, dra avy amigny fahavetaveta. Raha mitandry gny vatandrareo amizay handrareo, dra ho soa amindrareo zay. Veloma."30Noho izay ereo, gny fa voaroaky, dra nizoso ta Antiokia; boak'eo ereo dra namory gny vahoaky niarak, dra nanolosy gny taratasy ereo. 31Gny fa voavakin'ereo zay, dra nifaly ereo noho gny fapahereza. 32Joda vo i Silasy, paminany koa, dra nakahery reo rahalahiny tamigny zaka maro vo napahery anereo.33Gny fa boaky nizano fotoa visivisy tao ereo, dra nalefa apedagna boaky amireo rahalahy ho agny amigny ze nandefa anereo ereo. 34[Fagnamariha: Gny dika-zaka tranainy indridra dra mangalaky gny andininy faha34 (Atio gny Asa 15: 40): "Nefa bo satrin'i Silasy gny hizano teo."] 35Fa i Paoly vo i Barnabasy dra nizano ta Antiokia agny niaraky tamireo maro hafa, ze napenarin'ereo vo nitalilin'ereo gny zakany Topo.36Tafaranigny andro visy i Paoly dra nizaka tamin'i Barnabasy ho: "Ndao sika hihery fa hamangy reo rahalahy amigny tana ze naizakasika gny zakanigny Topo agny ndraiky, dra hahita vasa manao akory ereo ao." 37I Barnabasy dra te hinday an'i Jaona avo koa atao i Marka hiaraky amin'ereo. 38Nefa i Paoly nihevisy fa sy soa gny hindesa an'i Marka, ze nagnenga anereo tagny Panfilia vo sy nanohy niara-niasa tamin'ereo niasa.39Boak'eo dra sisy fifandira fatrasy, dra nisaraky ereo, dra i Barnabasy ninday an'i Marka niaraky taminazy dra nandeha sambo nagna Sipra agny. 40Fa i Paoly nifily an'i Silasy dra nandeha, tafaranigny nagnomezan'ireo rahalahy anazy andrekisy ho anigny fahasoavanigny Topo. 41Boak'eo izy dra nandeha namakivaky an'i Syria vo i Kilikia, dra napatazaky reo fengona.
Chapter 16

1Avy tagny Derbe vo Lystra avo koa i Paoly, dra ingo, teo gny pianasy raiky atao i Timoty, nazadahiny gny apela Jiosy ze nino; Grika gny babany. 2Izy dra soa laza tamireo rahalahiny ze tagny Lystra dra Ikonioma. 3Toan'i Paoly hiara-dia aminazy Izy; dra nalany izy dra nitapahiny noho reo Jiosy ze teo amireo toera reo, akory fatas'ereo aby fa Grika gny babany.4Raha nandeha namakivaky reo tana maro ereo, dra nanolosy toromariky ho anireo pino ba hakato gny fapenara, ze nireratinigny Apostoly vo gny loholo tao Jerosalema. 5dra niha-natazakky tamigny finoa gny fengona dra nitombo isa isan'andro.6Nandeha namakivaky gny farisy gny Frygia vo Galatia Paoly vo gny namany, akory nagnory gny Fagnahy Masy ereo nitalily gny zaka agny amigny faris'i Azia. 7Gny fa nilisy nagnaraky an'i Mysia, dra te-handeha ho agny Bitynia ereo, nefa nisakanany Fagnahin'i Jesosy ereo. 8Dra nandalo tamin'i Mysia, dra nandeha nizoso tagny amigny tana an'i Troasy ereo.9Nahita fahita i Paoly tamigny hariva igny : Lelahy raiky Makedoniana nisanga teo, nitoka anazy dra nizaka ho: "Avia atiky Makedonkia dra vozeo zahay." 10Gny fa boaky nahita gny fahita i Paoly, dra nandeha hihazo an'i Makedonia avy hatragny zahay, nahasapa fa zagnahary gny nitoka anay ba hitory gny filazasara amin'ereo.11Nitikisy sambo noho izay boaky aTroasy agny, dra nizosy mahisy ho agny Samatrakia zahay, dra nihazo an'i Neapolia zahay gny andro magnaraky. 12Boak'eo dra nandeha nagnagny Filipy zahay, zay isanigny tana Makedonia, ze tana mana-daza indrindra ao amigny farisy vo gny zana-tany Romana, dra nizano tao amizay tana zay nandrisy gny andro maro zahay. 13Tamigny andronigny Sabata dra nandeha tagny ivelanigny vavahady agnilanigny renirano zahay, ze nieriseretinay fa misy toera-pivavaha. Nipetraky zahay dra nizaka tamireo apeka ze nindray avy teo.14Nisy apela raiky atao i Lydia zay, pivaro-damba voloparasy boaky agny amigny tananan'i Tyatira, ze nanopo an'Agnahary, niteno anazy. Nanokaky gny fony gny Topo hitandry gny zaka ze nizakan'i Paoly. 15Gny fa vita batisa izy vo gny akohonany, dra napiriky anay izy, nizaka ho: "Raha nisara anahy ho matoky amigny Topo handrareo, dra milira vo moboha ao atragno." Dra nandresy lahasy anay izy.
17Nagnaraky anay vo i Paoly boaky afara ao io apela io dra nitoka fatrasy, nanao anizahoky ho: "Reo lelahy reo dra panopon'Agnahary avo indrindra. Mitalily amindrareo gny lala-pamozena ereo." 18Nanao anizay nandrisy gny andro maro izy. Fa i Paoly dra nanomboky sososy taminazy dra nitoliky vo nizaka tamigny fagnahy ho: "Mandidy anao amigny agnaran'i Jesosy Kristy zaho ba hiboaky ao aminazy." Dra niboaky zay.19Gny fa hitan'ireo Topony fa lasa gny fanatena gny amigny tombony ho anereo, dra nisamborin'ereo i Paoly vo i Silasy dra nitarihiny ereo ho a sena agny teo anoloan'ireo mana-pahefa. 20Gny fa ninday anereo teo anoloan'ireo pisara ereo, dra nizaka ho: "Magnakorota gny tanasika ty lelahy tahoky. Jiosy ereo. 21Mizaka fomba ze sy ara-dalana ho anigny Romanina gny magneky na mapihasy anereo reo.22Dra nisanga gny vahoaky nanohisyan'i Paoly vo i Silasy; nangalaky gny lamban'ereo gny pisara dra nandidy anereo ba ho zera amigny hazo. 23Gny fa nizera ftarsy ereo, dra nalefan'ereo agny atragnomezy dra nandidy gny piamby tragnomezy ba hiamby fatrasy anereo. 24Gny fa naharay anizay lily zay gny piamby, dra nalefany tagny amigny farany laliky amigny foza ereo dra nifaheny teo amigny hazo gny tombok'ereo.25Nagnodidy gny misasakaly dra nivavaky i Paoly vo i Silasy dra nahita fidera an'Agnahary, dra reo gadra hafa niteno anereo. 26Tapoky teo dra nisy horohoro tany lahibe, dra napihozongozo gny fotosy gny foza; dra nisokaky gny vatrangara ao aby, dra nihaha gny fehinigny olon'aby.27Taisy tamigny torimaso gny piamby gny tragnomezy dra nahita reo vatrangara-poza nisokaky; namoaky gny sabany izy dra te ho namano tegna, akory nieriseretiny fa nienga reo gadra tao. 28Fa nitoka tamigny feo ftrasy Paoly, nanao anizahoky ho: "Ka mandrasy gny vatanao, akory atao aby zahay ab."29Napitoka Jiro gny piamby tragnomezy dra nilisy malaky tao agnatiny ao, toro-hevisy noho gny tahosy, nihohoky teo anoloan'i Paoly vo i Silasy, 30dra ninday anereo niboaky vo nizaka ho: "Topoko, ino gny sy maisy hataoko ba ho voavozy zaho?" 31Hoy ereo ho: "Minoa an'i Topo Jesosy, dra voavozy hanao, hanao vo gny havanao."32Nitory gny teniny Topo taminazy ereo, niaraky tamigny olon'aby tao atragnony. 33Boak'eo dra nitakasy anereo tamigny hariva tamigny ora igny avo gny piamby foza. dra nanasa gny ferin'ereo dra izy vo reo tao amigny tragnony raiky aby manotolo dra natao batisa teo gny ho eo. 34Boak'eo dra nizaka niarasy teo atragnony i Paoly vo i Silasy dra nandroso hany teo anoloan'ereo izy, dra nifaly vokoa izy niaraky tamireo ze tao atragnony, fa nino an'Agnahary izy.35Dra gny fa mariny gny andro, dra nandefa zaka tamireo piamby reo pisara, nizaka ho: " Angao handeha reo lelahy reo." 36Nitatisy anizay zaka zay tamin'i Paoly gny piamby, nizaka ho: "Napinday zaka taminahy reo pisara ba hagnenga andrareo handeha: noho izay amizao miboaha, dra mandehana apiadagna."37Fa nizaka tamin'ereo i Paoly ho: "Nazera anay apahibemaso sy nisy fisara ereo, na dre mizaka gny zopirenena Romanina aza zahay_ dra nalefan'ereo tao apigadra, Amizao dra tian'ereo halefa asokosoko ra zahay? Aha! aoky gny vatan'ereo gny ho avy eto vo hitariky anay hiboaky." 38Nitatisy anizay zaka zay tamigny pisara gny piamby, dra raha vo nahare ereo fa romana i Paoly vo i Silasy, dra natahosy ereo. 39Avy vo nialasigny tamin'ereo gny pisara dra ninday anereo niboaky, nangataky anereo ba hiala ao atana.40Dra niala tao atragnomezy i Paoly vo i Silasy dra nagnao atragnon'i Lydia. Gny fa nahita reo lelahy i Paoly vo i Silasy, dra napahery anereo dra boak'eo dra niala tao atana ereo.
Chapter 17

1Dra gny fa nandalo reo tananigny Apostoly vo i Apolonia ereo, dra avy tao amigny tanan'i Tesalonika ereo, ze nisy Synagogany Jiosy. 2Paoly, araky gny fomba fanaony dra nagneo amin'ereo, dra nialy hevisy niaraky tamin'ereo aby ao amigny Sorasy Masy nandrisy gny andro Sabata telo.3Nisokafiny gny sorasy Masy dra nihazavany fa nitalian'i Kristy gny nizaly vo hisanga ndraiky amigny maty. Hoy izy ho: "Ihoky Jesosy ze zakako amindrareo io gny Kristy." 4Resy lahasy gny ilany tamireo Jiosy dra nagnaraky an'i Paolyvo i Silasy, agnisanizay reo pivavaky Grika maro agnisa, dra sy keliky gny apela pitariky.5Fa reo Jiosy sy pino nandesy felogna dra nangalaky reo olo rasy fagnahy aby agny asena reo, namory niaraky gny vahoaky, dra napitabataba gny tana tao. Nanafiky gny tragnon'i Jasona, te hinday an'i Paoly vo i Silasy hiala gny vahoaky ereo. 6Fa gny fa sy hitany ereo, dra nitarin'ereo i Jasona vo gny rahalahy hafa ilany ho eo agnoloanigny mana-pahefanigny tana, nitomagny, "Ty lelahy ze napisimbadiky anizao totolo izao tahoky dra avy eto avo koa. 7Ty lelahy napandroson'i Jasona tahoky tahoky dra manohisy gny lilin'i Kaisara; mizaka izy fa misy pazaka hafa- dra i Jesosy zay."8Voaelingely gny vahoaky vo gny mana-pahefa teo amigny tana gny fa nahare anizay raha zay.
10Nalefan'ireo lelahy tagny Beria gny harivanigny i Paoly vo i Silasy. Gny fa avy tagny ereo, dra nilisy tao amigny Synagoganigny Jiosy. 11Dra reo olooo reo dra mihaza kokoa noho reo agny Tesalonika, fa nitakasy zaka tamim-pahavonognanigny say aby ereo, nandiniky vo Sorasy Masy isan'andro ba hahita raha tena tokony reo raha reo. 12Noho izay dra maro tamin'ereo gny nino, tao agnkatin'izay gny apela Grika managnanaky lelahy maro.13Fa reo Jiosinigny Tesalonika gny fa nahare fa i Paoly dra nitalily gny zakan'Agnahary tao Beria avo koa, dra nandeha tegny ereo dra napitabataba vo nagnorota reo vahoaky. 14Dra avy hatragny, dra nandefa an'i Paoly ho agny an-dranomasy, fa i Silasy vo i Timoty nizano teo. 15Reo ze nitariky an'i Paoly ninday anazy hatragny amigny tanan'i Atena. Raha nagnenga an'i Paoly teo ereo, dra nitakasy torolala boaky aminazy ho anigny Silasy vo Timoty ba hagnagny aminazy malakilaky araky ze azo atao.16Dra nandigny anereo tagny Atena i paoly, dra avy nasiaky tao agnatiny gny fagnahy raha vo nahita gny tana feno sapy. 17Dra nialy tao amigny Synagoga niaraky tamireo Jiosy vo reo hafa ze nanopo an'Agnahary izy, manahaky anizay koa gny amigny toeranigny raharaham-barosy niaraky tamireo ze teo.18Fa gny ilany tamireo filozofa Epikoreana vo Stoika avo koa nifanena taminazy. Gny ilany nizaka ho: "Ino gny tian'io be rehaky io ho zaka?" Gny hafa nizaka ho: "To ahasigny raiky ze mitoka gny olo hagnaraky reo zagnahary hafaha izy," akory nitory an'i Jesosy vo gny fisangana amigny maty izy.19Nangalaky an'i Paoly ereo dra ninday anazy tao amigny Areopago, nizaka ho: "Afaky mamatasy anizay fapenara vaovao ze nizakanao zay ra zahay? 20Fa manday raha hafahafa sy firenigny sofy hanao. Noho izay, te hahafatasy gny dikan'izay raha zay zahay." 21(Dra gny Attenina aby vo gny vahiny nipetraky dra nandany gny fotoany tamigny sy nisy fa tamigny fizaka mombanigny zaha-vaovao.)22Dra nisanga teo agnevonigny Areopago iPaoly dra nizaka ho: "Handrareo lelahin'i Ateniana, hitaky fa tena reliziozy amigny fomba aby handrareo. 23Fa raha nandalo zaho dra nandiniky gny tazonigny fomba fanopoa-pivavahandrareo, dra nahita alitara zaho misy ty sorasy tihoky ho: "Ho an'Agnahary sy fatasy. "Ino noho izay gnyhivavahandrareo ao amigny sy fahafatara, ze nizakako amindrareo.24Gny Zagnahary ze nanao anizao totolo izao vo gny raha-aby eo aminazy, akory Toponigny lagnisy vo gny tany Izy, sy mipetraky ao agnaty tepoly voaory tamigny tana. 25Na izy sy nitopo tamigny tagnan'olo, manahaky gny nitaliava raha izy, akory izy vatany gny magnome fiegna gny olo vo gny fofon'ay dra gny raha hafa aby.26Boaky amigny olo railky nanovany gny firenena aby ho anigny olo ma hiay eo amininigny tany, namarisy gny vanipotoan'ereo vo nanendry gny toera-ponegna vo gny andro iegna 27dra ba tokony hitalia an'Agnahary ereo, gny hoasy mety hahatrasy vo hahita anazy ereo. Kanefa bo sy lavisy asika sirairay aby zay.28Akory isika dra velo vo mihesiky vo mana gny maha-izy asika, manahaky gny nizakanigny ray amigny panao tonokalondrareo manoka ho: "Fa taranany avo koa sika." 29Noho izay, akory zanan'Agnahary isika, isika dra sy tokony hieriserisy fa gny hasoanigny fombany dra mitovy amigny volamena, na volafosy, na rasy-vonga ze niforogny boaky amigny asa tagna vo ainga-pagnahin'Olombelo.30Noho izay dra nialignon'Agnahary gny fotonigny sy fahalala, fa amizao mandidy gny olon'aby egny ba hibebaky izy. 31Izay gny izy akory nametraky andro izy ho ombia gny hisara anizao totolo zao amigny fahamarigna amigny alalanigny olo ze nifiliny. Nagnome porofon'io lelahy io tamigny olo sirairay tamigny alalanigny fanangana anazy tamigny maty zagnahary.32Dra gny fa nahare gny fisangana amigny maty gny olon'i Atena, dra nagneso an'i Paoly gny ilany; fa gny ilany nizaka ho: "Hiteno anao ndraiky ze raha zehoky zahay." 33Tafan'izay, nagnenga anereo i Paoly. 34Fa gny ilany tamigny olo nagnaraky anazy dra nino, tao agnatin'izay i Dionysio Aeropagita, apela atao ho i Damary zay, dra gny ilany niaraky tamin'ereo.
Chapter 181Dra tao afaranireo raha reo Paoly dra niala tao Atena dra nagna Korinto agny.

2Nihao tamina Jiosy natao ho Akoila tao izy, tera-tany Ponto, ze vo avy boak'agny Italia niaraky tamin'i Prisila valiny, akory i Klaodio nandidy gny Jiosy aby hiala a Roma ao. Paoly nagneo amin'ereo, 3fa akory varosy mitovy avo gny hiasany, dra nindray nipetraky tamin'ereo izy dra niasa, fa gny manao lay gny asan'ereo.4Dra nialy hevisy tao amigny Synagoga isika gny Sabata i Paoly. Nandresy lahasy reo Jiosy vo Grika izy. 5Fa gny fa nizoso boak'agny Makedonia i Silasy vo i Timoty, dra nitenigny fagnahy hizaka amireo Jiosy fa Jesosy gny Fristy i Paoly. 6Gny fa nanohisy vo nagnesoeso anereo gny Jiosy, dra naofaofa gny lambany tagny amin'ereo i Paoly dra nanao ho: "Ho eo amigny lohandrareo anie gny liondrareo; sy mana-signy zaho. Fa manomboky amizao dra ho agny amigny Jentilisa zaho."7Dra niala teo ereo dra nandeha nagnagny atragnon'i Titosy Josto, lelahy ze manopo an'Agnahary. Gny tragnony dra agnilanigny Synagoga. 8Krispo, pitariky gny synagoga, nino gny Topo, niaraky tamireo aby ze nipetraky tao amigny tragnony; dra maro tamireo Koritiana ze nahare momba anizay gny nino vo natao batisa.9Gny Topo nizaka tamin'i Paoly tamigny fahita gny hariva ho: "Ka matahosy, dra ka makiky fa mizaka. 10Fa izaho momba anao, dra sy hisy olo hahazo hanao rasy anao, fa manao olo maro amity tana tihoky zaho." 11Nitoby tao heritao vo enim-bola i Paoly dra napianasy gny zakan'Agnahy teo amin'ereo.12Fa gny fa lasa governoranigny Akaia i Galio, dra nindray nisanga reo Jiosy hanohisy an'i Paoly dra ninday anazy teo agnatrehanigny toera-pisara; 13nizaka ereo ho: "Io lelahy io dra mandresy lahasy gny vahoaky ba hanopo an'Agnahary ze mifahisy amigny lala."14Dra nandeha hizaka i Paoly, dra nizaka tamigny Jiosy i Galio ho: "Handrareo Jiosy, raha ohasy zaka raha raha na siaky zay, dra bo azo eriserety gny fifapiraharaha amindrareo." 15Fa hatrizay nisian'ireo fagnotania momba reo zaka vo agnara vo lalandrareo manoka reo, alamindrareo zay. Izaho sy magniry gny ho pisara anizay raharaha zay."16Galio nangalaky anereo hiala teo amigny seza-pisara. 17Dra nanambosy an'i Soatena izy aby, gny panapaly gny synagoga, dra nazera anazy teo anoloanigny toera-pisara. Fa Galio sy niraharaha ze nataon'ereo.18Paoly, gny fa boaky nipetraky tao nandrisy gny andro maromaro, dra namely reo rahalahiny dra niondra sambo ho agny Syria niaraky tamin'i Prisila vo Akolia. Talohanigny niegnany teo amigny seragna-sambo dra niheteziny tao Kenkrea gny volony noho gny voady nataony. 19Gny fa avy tagny Efesiosy ereo, dra nangan'i paoly teo i Prisila vo i Akoila, fa izy vatany nilisy tao amigny synagoga dra nialy hevisy tamireo Jiosy.20Gny fa nangataky an'i Paoly ba hizano elaela ereo, dra nanda izy. 21Fa nagnenga anereo izy, nizaka ho: "Bo hihery atiky zaho raha eken'Agnahary zay." Dra nitikisy sambo niala teo Efesiosy izy boak'eo.22Gny fa niaso tao Kaisaria i Paoly, dra niakasy izy dra niarahaba gny fengonanigny Jerosalema dra nizoso nagna Anto=ioky agny boak'eo. 23Gny fa avy nitoby ora maromaro teo izy, dra nandefa i Paoly dra niteny reo faris'i Galatia vo Frygia dra nakahery gny pianasy aby.24Dra nisy Jiosy raiky natao ho Apostoly, teraky tagny a Aleksandria, avy tao Efesiosy. Izy dra nahay nandeha tegny sady nahay soa gny Sorasy Masy. 25Apostoly dra napenariny tamigny fapenaranigny Topo. Mahafa-po amigny fagnahy, izy nizaka vo napianasy mary reo raha mahakasiky an'i Jesosy, kanefa gny Batisan'i Jaona avo gny fatany. 26Apostoly nanomboky nizaka apahasahiragna tao amigny Synagoga. Fa gny fa nahare anazy i Prisila vo Akoila, dra nangalaky anazy ho egny amigny sisiny dra nagnazava taminazy mary vatany gny lalan'Agnahary.27Gny fa nagniry hamakivaky an'i Akaia izy, dra napahery anereo rahalahiny vo nanorasy ho anireo pianasy tao Akaia ba handray anazy. Gny fa avy izy dra nagnapy maro reo ze nino tamigny fahasoava. 28Apostoly nanohisy fatrasy reo Jiosy tamigny aly hevisy apahabemaso, napiseho tamigny alalanigny sorasy Masy fa Jesosy gny Kristy.
Chapter 19

1Dra gny bo tagny Korinty i Apolosy, dra nandalo tamigny firenena ambony 'i Paoly dra avy amigny tananigny Afesosy, dra nahita pianasy ilany tao. 2Hoy Paoly tamin'ereo ho: "Nahazo gny Fagnahy Masy ra handrareo gny fa nino?" Hoy ereo ho taminazy ho: "Oho, bo sy nahare momba gny Fagnahy Masy ndraiky zahay."3Paoly nizaka ho: "Tao amigny ino jmoa zay gny nanova batisa andrareo?" Namaly ereo ho: "Tao amigny batisan'i Jaona." 4Dra namaly Paoly ho: "Jaona manao batisa amigny batisanigny fibebaha. Nizaka tamigny vahoaky izy dra tokony hino gny raiky ze ho avy afara ereo, zay dra ao amin'i Jesosy.5Gny fa nahare anizay gny olo, dra natao batisa tamigny agnaranigny Topo Jesosy ereo. 6Boek'eo gny fa nametraky gny tagnany tamin'ereo i Paoly, dra nilasaky tamin'ereo gny fagnahy masy vo nizaka tamigny fizaka hafa vo naminany ereo. 7Teo amigny ro ambiny folo teo ho eo izy aby.8Nilisy tao amigny sinagoga i Paoly dra nizaka apahavania nandrisy gny telo vola, nandresy lahasy vo napagneky anereo gny momba gny fazakan'Agnahary. 9Fa gny fa fatra-po vo sy nakato reo Jiosy ilany, dra nanomboky nizaka rasy gny lala teo anoloanigny vahoaky ereo. Dra nangan'i Paoly ereo dra nandesiny reo pianasy, nandresy lahasy anereo isan'andro tao amigny efitragno fapenaranigny Tiraniana. 10Nitihy nandrisy gny ro tao zay, dra ze nipetraky tao Asia dra nahare gny zakanigny Topo, dra reo Jiosy vo reo Grika.11Zagnahary nanao asa mahagaga tamigny alalanigny tagnan'i Paoly, 12na dre mosoara vo aron'akazo ze nikasiky anazy aza dra natao tamigny marary dra sitrany gny aretin'ereoreo Fagnahy rasy.13Fa nisy Jiosy pangala-pagnahy rasy nandeha tegny atoera. Nitoka gny agnaranigny Topo Jesosy ereo ba hanagnan'ereo hery hanohera gny fagnahy rasy aby nizaka ereo ho: "Amigny alalan'i Jesosy ze zinakan'i Paoly, mandidy anao zaho ba hiboaky gny agnarany ho Skeva vo nanagnanaky fito lahy gny nanao anizay.15Nisy fagnahy rasy namaly anereo ho: "Fataso Jesosy, dra fataso i Paoly; fa iza handrareo?" 16Gny fagnahy rasy tao amigny lelahy igny dra nisapy tamireo pandroaky devoly dra nienga tao amigny tragno nifahasy vo narasy. 17lasa fatasy gny olo aby zay, vo reo Jiosy vo gny Jentilisa, ze nipetraky tagny Efesiosy. Lasa natahosy fatrasy ereo, dra gny agnaranigny Topo Jesosy dra namem-boninahisy.18Dra maro tamigny pino gny nagnato vo nibebaky dra nagneky gny raha rasy ze vitan'ereo. 19Maro reo nihira oly gny nindray ninday gny bokin'ereo vo nagnoro anizay teo amasonigny sirairay. Gny fa nagnisa gny tombom-bilinigny ereo, dra fatasy volafosy dimy aly zay. 20Dra niely fatrasy tamigny fomba matazaky gny zakanigny Topo.21Dra gny fa nahavita gny asa fanopoany tagny Efesiosy i Paoly, dra nanapa-kevisy tamigny fagnahy izy ba handalo an'i Makedonia vo i Akaia tegny andala magna Jerosalema agny, hoy izy: "Gny fa avy agny zaho, dra sy maisy magna Roma agny avo koa." 22Paoly nandefa tamireo pagnapy anazy ho agny Makedonia, i Timoty vo Erasto, ze nanapaky anazy. Fa izy vatany nizano fotoa fohy tagny Asia.23Tamizao fotoa zay ta Efesiosy agny dra nisy fanelingelegna lahibe mahakasiky gny lalana. 24Fa nisy panefy volafosy raiky atao i Demetrio, nanao gny sary sikosy volafosin'i Diana, napilisy vola be ho anireo panao asa-tagna. 25Dra nangoniny niaraky reo lelahy miandrekisy an'io asa io dra nizaka ho: "Topoko, fatasao fa amity raharaha tihoky dra mahazo vola be zahay.26Hitanao vo renao zay, sy ta Efesiosy agny, fa hony manera an'i Asia raiky manotolo, io Paoly io dra nandresy lahasy vo nahatoa olo maro. Mizaka izy fa sy misy zagnahary vita tamigny tagna. 27Fa gny loza dra sy ho gny varosika avo gny sy ho ilailany sasy, fa gny tepolinigny andriamanim-bavy lahibe Diana avo koa azo havery ho sy misy dikany. Dra mety ho levom-boninahisy izy boak'eo, izy ze toponigny Asia aby vo izao totolo zao."28Gny fa nahare anizay ereo, dra feno hasiaha ereo dra nihiaky fatrasy, nanao ho: "Lahibe i Diana an'i Efesiosy." 29Feno fifazevogna tao amigny tana raiky manotolo, dra niara-nifagnareseka ho ao amigny tragno fanova fapisehoa asehasy gny vahoaky. Voasambos'ereo reo piara-dia tamin'i Paoly, Gaio vo Aristarko, boaky a Makedonia agny.30Te hilisy tao amireo vahoaky maro i Paoly, fa nisakanan'ireo pianasy izy. 31Gny ilany tamireo mana-pahefa tao amigny faris'i Asia zenamany dra nandefa hafasy nangataky anazy fatrasy sy hilisy ao amigny tragno fanova fapisehoa asehasy. 32Olo ilailany gny nihiaky raha raiky, dra gny anigny ilany hafa, tao agnaty fifazavogna gny vahoaky. Gny akamaroan'ereo aza sy mahafatasy akory ho nagnino ereo gny nindray avy.33Gny ilany tamireo vahoaky gny napahafatasy an'i Aleksandra, ze narozin'ireo vahoaky ho egny aloha, dra nanao fihesiky tamigny tagnany i Aleksandra, te hagnome fagnazava ho anireo ze nivory. 34Fa gny fa nahafatasy ereo fa Jiosy izy, dra nihiaky fatrasy tamigny feo raiky izy aby teo ho eo amigny ora ro, nanao ho; "Lahibe gny Artemasinigny Efesiana."35Gny fa naparevoky gny vavaky gny lahebenigny tana, dra nizaka izy dra: "Hanao olonigny Efesiosy, olo iza gny teo dra sy nahafatasy fa gny tananigny Efesiana dra piamby gny tepolinigny Diana lahibe vo gny sary ze nilasaky boak'agny an-dagnisy? 36Dra hita boak'eo fa sy azo lavy reo raha reo, dra tokony hizano handrareo dra sy hanao na ino na ino sy apihevera. 37Fa nandesindrareo ety amigny fisara reo lelahy reo sady sy pandroba tepoly gny sy pizaka rasy gny Zagnaharim-bavisika.38Noho izay, gny mana fiapanga manohisy gny sirairay i Demetrio vo reo panao asatagna ze miaraky aminazy, dra misokaky reo fisara dra misy solotegna ao. Angao ereo hifapy apanga. 39Fa raha mitalia raha momba gny olo hafa handrareo, dra tokony hasanga amigny fivoria ara-dalana zay. 40Fa indrindra isika dra tandindognyn-doza ho voapanga makasiky an'io andronigny tabataba io. Sy misy atony zay fikorotagna zay, dra sy ho afaky hagnazava anizay sika." 41Gny fa nizaka anizay izy dra, niravany gny fivoria.
Chapter 20

1Gny fa tapisy gny tabataba, namory reo pianasy i Paoly dra napahery anereo boak'eo, nana veloma anazy dra lasa ba handeha ho agny Mekedonia. 2Gny fa nandeha tegny amireo farisy reo izy vo nanao zaka fakahereza maro anereo, dra avy tagny Gresia izy. 3Gny fa nizano telo vola tao izy, nisy teti-drasy niforogninireo Jiosy hagnoregna anazy raha izy handeha hitikisy sambo ho agny Syria igny, dra nanapa-kevisy gny hihery ho agny Mekedonia izy.4Nagnaraky anazy hatragny asia lavisy agny i Sopatera zanadahin'i Pyro voak'agny Beria; Aristarko vo Sekondo, samby boaky Derbe agny; Tymoty, vo i Tykiko vo i Trofimo boak'agny Asia. 5Fa reo lelahy reo fa nialoha anay dra nandigny anay tagny Troasy. 6Niondra asambo niala tao Filipy zahay tafaranigny andro fihinana mofo sy masy, dra tao agnatinigny dimy andro dra avy tagny amin'ereo tagny Troasy zahay. Dra nitoby tao zahay nandrisy gny fito andro.7Tamigny andro volohanigny herignandro, gny fa niango niaraky ba hanapaky gny mofo zahay, dra nizaka tamireo pino i Paoly. Izy dra nikasa handeha hatramigny sasakaly izy. 8Nisy ziro maro tao amigny efisy ambony ze nahavianay niaraky.9Teo amigny vatrangarakely gny nipetraky ty tovolahy tao agnaty torimaso laliky. Raha nizaka naharisy i Paoly, io tovolahy io, dra bo nandry, tafalasaky boak'egny amigny riha fahatelo dra nony nareny izy dra hita fa maty. 10Fa i Paoly nizoso, dra namehy gny vatany teo aminazy, dra namehy anazy. Boak'eo izy nizaka ho: "Ka malahelo sasy, fa velo izy."11Dra niakasy ndraiky izy boak'eo dra nanapaky gny mofo vo nihina. Gny fa boaky nizaka eia tamin'ereo hatramigny mangiran-drasy izy, dra nandeha. 12Ninday gny tovolahy fa velo nihery ereo dra tena faly dra faly.13Isika mihisy gny nandeha nialohan'i Paoly tamigny sambo dra nitikisy sambo ho agny Aso, fa agny gny kasanay handresa an'i Paoly. Zay gny fagniria izy vatany hatao, akory nagniry handeha androanga izy. 14Gny fa nihao taminay ta Aso agny izy, dra nandesiny tamigny sambo izy dra nangagny Mitylena.15Boak'eo nitikisy sambo boak'eo zahay dra avy tao amigny tandrifinigny nosin'i Kio gny maraindray. Gny andro magnaraky dra nitokavako tao amigny nosinigny Samo zahay, dra gny marainigny dra avy tao amigny tanan'i Mileto. 16Fa Paoly nanapa-kevisy gny hitikisy sambo handalo an'i Efesosy, ba sy handany fotoa ela agny Asia izy; akory izy dra mieky gny ho agny Jerosalema gny andronigny Pentekosta, raha azony atao gny manao ankikzay.17Boak'agny Mileto gny nandefasako lelahy ho agny Efesiosy dra napitoka gny loholonigny fengona hagneo aminazy. 18Gny fa avy aminazy ao ereo, dra nizaka tamin'ereo izy ho: "Handrareo vatandrareo gny mahafatasy, hatramigny andro volohany nagnisahako an'o Asia, hanahaky gny akory gny nandaniako gny fotoako niaraky tamindrareo. 19Izaho dra nanopo hatramigny Topo tamigny fanetre-tegna vo ranomasom, dra tao agnaty fijalia gny nitranga taminahy izay nohonigny teti-drafis'asa ny Jiosy. 20Handrareo dra mahafatasy fa sy nita fahangina tamigny fagnambara tamindrareo reo aby ze nalany zaho, vo gny fomba napenarako andrareo teo amason'olo dra tamigny isan-tragno, 21nizoroako vavolombelo teo amireo Jiosy vo reo Jentilisa momba gny fibebaha amin'Agnahary vo gny finoa ao amin'i Jesosy Toposika.22Ingo amizao, ho agny Jerosalema zaho, niterenigny Fagnahy Masy dra sy mahay anize hahazo anahy agny, 23fa sy ze hapitandremanigny Fagnahy Masy zaho isaky gny tana-dehibe amireo famahea vo fizalia ze mandigny anahy. 24Fa izaho dra sy mihevisy gny fiegnako ho sarobidy amigny hazakako vo gny asa fanopoako ze hazakazakako vo gny asa fanopoa ze nitakariko baoky amin'i Jesosy Topo zaho, hizaka gny filazasaranigny fahasoan'Agnahary.25Dra ingo amizao, fatasao fa handrareo aby, ze nizakako gny fazaka, gny sy hahita gny tarehiko sasy. 26Noho izay zakako amindrareo amity andro tihoky, fa izaho dra sy mana-signy amigny lionigny olo. 27Fa sy navoniko tamindrareo gny fagnambara gny sitrapon'Agnahary aby.28Noho izay tandremo gny mombanigny vatandrareo, vo gny momban'ireo agnondry aby ze napandreketinigny fagnahy masy andrareo. Mitandrema amigny piamby agnondrinigny Fengonan'Agnahary, ze niviliny tamigny liony manoka. (Fagnamariha: raha toaky ka "tamigny liomanoka" gny amigny atota taratasy faela dra mivaky ho: " Tamigny lionigny zanadahiko manoka.) 29Fataso fa afaranigny fandehanako, dra ho avy eo amindrareo gny amboamola masiaky dra sy hiatra anireo agnondry. 30Fataso fa nka dre avy amindrareo aza dra hisy olo ho avy dra hagnova gny mary ba hitariky reo pianasy hagnaraky anereo.31Ko membena. Sarovy fa nandrisy gny telo tao zaho gny sy nizano napianasy gny sirairay boaky amindrareo andro aman'aly tamigny ranomaso. 32Amizao akiniko amin'Agnahary vo amigny zakanigny fahasoavany handrareo, ze afaky mananga vo magnome andrareo gny lova eo amireo aby ze nihamasigny.33Sy nisiririsy volafosy, volamena, na lamban'olo zaho. 34Handrareo vatandrareo gny mahafatasy ze nitaliaviko vo reo nitaliavin'ereo ze niaraky taminahy. 35Tamigny raha-haby gny nagnomezako ohasy andrareo gny fomba tokony hagnapiandrareo reo malemy amigny alalanigny asa, dra gny fomba hitaliabvandrareo gny zakan'i Topo Jesosy, zaka ze zinakany izy vatany ho: "Mahasambasy kokoa gny magnome noho gny mitakasy."36Gny fa nizaka manahaky anizay izy, dra nandohaliky vo nivavaky niaraky tamin'ereo aby. 37Nisy fitomagniam-be teo vo namihy an'i Paoly vo nanoraky anazy ereo. 38Nalahelo gny maro tamizan'ereo noho ze natenany, ho: ereo dra sy hahita gny tarehiny sasy. Boak'''eo nagnatisy anazy tegny amigny sambo ereo.
Chapter 21

1Gny fa niala teo amin'ereo izahay dra nitikisy sambo, dra nizosy lala-mahisy nagnagny amigny tanan'i Kosy, nagnagny amigny Tanan'i Rody gny andro magnaraky, vo avy ao dra nagna amigny tanan'i Patara. 2Gny fa nahita sambo nisaky Foinika zahay, dra nilisy tao zahay dra nitikisy sambo.3GNy fa boaky nahita an'i Kyprosy, dra nagnenga anizay tegny apitanigny sambo, nitikisy sambo ho agny Syria zahay vo nitikisy sambo ta Tyro ao, toera ze namohanireo tasambo gny eta tao agnaty sambo ao. 4Raha vo nahita anireo pianasy zahay, dra nizano tagny nandrisy gny fito andro. Tamigny alalanigny Fagnahy dra nandresy lahasy an'i Paoly hatragny ereo ba sy handeha ho a Jerosalema agny.5Gny fa tapisy gny andronay tegny, dra niala tao zahay dra nandeha tamigny lalanay, vo ereo aby, niaraky tamireo valy ama-nanaky, nagnaraky niboaky tao amigny tana. Dra nandohaliky tegny amorondranomasy dra nivavaky 6dra nifanao veloma. Dra nilisy tao asambo zahay, dra ereo nihery tagny atragnony.7Gny fa vitanay gny lia tagny Tyro, dra avy a Ptolemaisy agny zahay. Tagny dra nihao tamireo rahalahy vo nizano andro raiky niaraky tamin'ereo. 8Gny maraindray dra niala tao zahay dra nandeha tagny Sezarea. Nilisy gny tragnon'i Filipo isika, evazelista, raiky tamireo fito, dra nizano niaraky taminazy zahay. 9Amizao io lelahy io dra nanagnanaky apela virziny efasy ze naminany.10Gny fa nizano tao nadrisy gny andro maromaro tao zahay, dra nisy paminany raiky nizoso boak'agny Jodia natao i Agabo zay. 11Nagnato anay dra nangalaky fehitrokin'i Paoly izy. Taminigny gny namotorany gny tombony vo gny tagnany dra nizaka ho: "Hoy gny Fagnahy Masy,' dra hanahaky anizao gny hamosoran'ireo Jiosy agny Jerosalema gny lelahy ze topon'ity fehitroky tihoky, dra hanolosy anazy eo agnatrehan'ireo Jentilisa."12Gny fa nahare anizay raha zay zahay, dra zahay vo reo olo mony tao amin'io toera io dra niangavy tamin'i Paoly sy niakasy ho agny Jesosalema. 13Dra namaly i Paoly nanao ho: "Ino gny ataondrareo, mitomagny vo mandrasy gny foko? Izaho fa vonona, sy ho fahe fosiny avo, fa ho maty agny Jerosalema avo koa amigny agnaran'i Topo Jesosy." 14Akory sy nagniry gny horesen-dahasy i Paoly, dra nizano nagnandra zahay dra nizaka ho: "Aoky ho tateraky gny sitraponigny Topo."15Tao afaran'ireo andro reo, dra ninday gny kitaponay zahay dra niakasy nagnagny Jerosalema. 16Dra nisy reo pianasy ilany avo koa boaky agny Sezarea nagnoriky anay. Ninday lelahy raiky niaraky tamin'ereo natao ho i Menasona, lelahy boaky a Sipra agny, pianasy mety molaly, ze tokony hindresanay mitoby.17Gny fa avy boaky a Jerosalema agny zahay,dra nitakasy kanay apifalia reo rahalahy reo. 18Gny maraindray dra nagnaraky anay i Paoly ho agny amin'i Jakoba, dra teo aby reo loholon'aby. 19Gny fa boaky niarahaba anereo izy, dra nitatisy siraidraiky reo raha reo aby ze fa nataon'Agnahary tamireo Jentilisa tamigny alalanigny asa fanopoanay.20Gny fa nahare anizay ereo, dra nidera an'Agnahary, dra nizaka taminazy ho" Hitanao, ry rahalahy, agnarivony firy gny nino tamireo Jiosy. Tapa-kevisy izy aby hitandry gny lalana. 21Fa nizakan'ereo gny momba anao, fa hanao dra mapianasy reo Jiosy aby ze mitoby eo amireo Jentilisa hahafo an'i Mosesy, dra hanao mizaka anereo sy hanapaky gny zanany, dra sy hagnaraky gny fomba taloha.22Ino gny tokony hataosika? Ho ren'ereo tokoa fa avy hanao. 23Ko atovy ze zakany aminao. Mana lelahy efasy ze nanao voady zahay. 24Andeso reo lelahy reo dra liovy miaraky amin'ereo gny vatandrareo, dra aloavo gny fandanian'ereo, ba hagnarasy gny lohany ereo,. Dra ho fatasy gny olon'aby fa reo raha ze nizaka momba andrareo dra diso. Ho fatas'ereo fa hanao dra magnaraky lalana avo koa.25Fa mikasiky reo Jentilisa ze nino, zahay dra nanorasy vo nagnome torolala fa tokony hitandry gny vatany amigny raha vita soro ho anigny sapy ereo, boaky amigny lio, avy amizay nikenda, vo avy amigny fizangazanga. 26Boak'eo dra nalan'i Paoly reo lelahy, dra gny maraindray, izy nagnalio gny vatany niaraky tamin'ereo, nivily tao atepoly, nizaka gny vanipotoanigny andronigny fagnaliova, mandra-pagnatisy gny fagnatisy ho anigny olo sirairay tamin'ereo.27Gny fa ho tapisy gny andro fito, reo Jiosy ilailany boakyb a Asia, nahita an'i Paoly tao atepoly, napikorota reo vahoaky manotolo, dra nanambosy anazy. 28Nitabataba ereo ho: "Ry olon'Israely, apio zahay". Io gny lelahy igny ze napianasy gny olon'aby hatreza reo raha ze manohisy gny olo, gny lalana, vo ty toera tihoky. Fagnapin'izay ninday Grika tao atepoly avo koa izy dra nandoto aty toera masy tihoky. 29"Fa ereo teo aloha nahita an'i Trofima ze Efezianina niaraky taminazy tao atana dra nieriserisy ereo fa i Paoly gny ninday anazy tao atepoly.30Nifagnaritaky gny tana aby, dra niaraky nihazakazaky vo nanambosy an'i Paoly gny olo. Nanito anazy hiboaky ao amigny tepoly ereo. 31Raha teo apamonoa anereo izy, dra nisy vaovao avy tagny amigny kapiteninigny piamby fa mikorota avokoa Jerosalema raiky manotolo.32Avy hadragny dra nangalaky maramila vo kapiteny izy dra nihazakazaky nizoso nagnagny amireo vahoaky. Gny fa nahita gny kapiteny vo reo maramila gny vahoaky, dra nizano nizera an'i Paoly ereo. 33Dra nagnato gny kapiteny dra nanambosy an'i Paoly, dra nasany nifahe tamigny rozo vy ro izy. Dra nagnotany izy ho iza izy ino gny nataony.34Gny ilany tamireo vahoaky nitabataba raha raiky vo raha hafa. Akory sy afaky nizaka na ino na ino gny kapiteny, dra nasany nandesy ho agny amigny rova i Paoly. 35Gny fa avy teo amigny tohasy izy, dra nandesinireo maramila izy noho gny herisetranigny vahoaky. 36Fa nagnaraky tao afara gny vahoaky be dra nanohy nihorakoraky ho: "Vonoy Izy"37Gny fa ho nandesy tao androva igny i Paoly, dra hoy izy tamigny Kapiteny: "Afaky mizaka raha aminao ra zaho?" Hoy gny kapiteny ho: "Mizaka Grika ra hanao? 38Sy hanao ra gny Egyptiana, ze nitariky fikomia taloha agny vo nitariky reo efasy arivo lahy anigny pamono olo niboaky boaky agny agnefisy?"39I Paoly dra nizaka ho: "Izaho dra Jiosy, boaky amigny tanan'i Tarsosy agny Kiliaka. Izaho dra olo-pirenenigny tana manan-daza. Mangataky aminao zaho, angao zaho hizaka amigny olo." 40Gny fa nagnenga anazy hizaka gny kapiteny, dra nisanga teo amigny tahosy i Paoly dra nanao fihesiky tamigny tanany tamigny vahoaky. Gny fa nisy fahangina, dra nizaka tamin'ereo tamigny fizaka hebreo izy. Hoy izy:
Chapter 22

1"Ry rahalahy vo ry ray, tenoy gny ferovako ze hataoko aminadrareo amizao." 2Gny fa nahare an'i Paoly nizaka tamigny zaka Hebreo reo vahoaky, dra lasa sinizaka ereo. Hoy izy ho:3" Joisy zaho, teraky tagny Tarsosy agny Kilikia, fa nilahibe teto amity tana tihoky eto teo amigny tombok'i Gamaliela. Napenary araky gny fomba hetisy gny lalanireo razasika zaho. Tena mafana fo hoan'Agnahary zaho, manahaky andrareo aby amizao andro izao. 4Nagneziky io lalana io ho amigny fahafatesa zaho, namotosy vo nanolosy anereo hatao atragno mezy na lahy na vavy. 5dra gny pisorombe vo gny loholon'aby dra afaky mizoro vavolombelo. Nahare taratasy boak'agny amin'ereo zaho ho anigny rahalahy agny Damaskosy, dra nandeha nagnagny ninday anazy reo nihery bo mifehy hagna Jerosalema ba hagnasazia anereo.6Izao gny niseho gny fa nandeha vo nagnariny anigny Damasoky zaho, dra tamigny mitataovovogna teo ho eo dra nisy hazava lahibe boak'agny andagnisy nanomboky namirasy nagnodidy anahy. 7Lavo tamigny tany zaho dra nahare feo nizaka taminahy ho: 'Saoly, Saoly, nagnino hanao magneziky anahy io?' 8Namaly zaho ho: 'Iza moa hanao io, Topoko?' Nizaka taminahy Izy ho: 'Izaho Jesosiny Nazareta, ze ezehinao io.'9Reo ze niaraky taminahy dra nahita gny hazava, fa ereo dra sy nahafatasy gny feony ze nizaka taminahy. 10Hoy zaho ho: 'Ino gny tokony hataoko, Topoko?' Gny Topo nizaka taminahy ho: 'Misangana vo midira a Damaskosy agny; agny gny hizaka anao gny raha aby ze tokony hataonao.' 11Sy nahita nohonigny famirapiratan'izay fahazava zay zaho, dra nitataranireo ze nagniraky taminahy, dra avy tagny a Damaskosy zaho.12Nihao tamigny lelahy raiky atao i Ananiasy tagny zaho, lelahy matahosy an'Agnahary nagnaraky gny lalana vo soa laza teo amireo Jiosy aby ze nitoby tao. 13Nagnato anahy izy, nizoro teo agnilako eo, dra nizaka ho: 'Ry rahalahy Saoly, mahirata.' Tamizay ora zay dra nahita anazy zaho.14Dra nizaka izy ho: 'Gny Zagnaharin'ireo razasika dra nifily anao ba hahay gny sitrapony, ba hahita gny raiky Mary, dra nahare gny feo aloaky gny vavany. 15Fa ho vavolombelo ho anazy amigny olon'aby momba ze hitanao vo renao hanao. 16Dra magnino hanao gny mandigny? Misangana, aoky hatao batisa, vo liovy reo fahotanao, mitokava amigny agnarany."17Gny fa boaky nihery ta Jerosalema agny zaho, dra bo nivavaky tao atepoly, vo nagnonofy zaho. 18Nahita anazy zaho nizaka taminahy ho: 'Miala a Jesalema ao malaky, fa ereo sy magneky gny fizoroanao vavolombelo momba Anahy.'19Hoy zaho: 'Topo, ereo dra mahafatasy fa izaho nagnagadra vo nazera reo ze nino anao tao amigny synagoga aby. 20Gny fa nalasaky gny lion'i Stefana vavolombelo, izaho koa dra ba nisanga teo vo nagneky, dra niamby gny fekazon'ireo ze namono anazy zaho.' 21Fa nizaka taminahy izy ho: 'Mandehana, akory halefako lavisy anireo Jentilisa hanao.""22Niteno anazy ereo mindra-pizakany anizay. Dra nihiaky fatrasy ereo vo nizaka ho: "Vonoy hiala eto amity tany tihoky gny lelahy manahaky anio, akory sy mendriky gny ho velo izy." 23Gny fa narevoky ereo, nagnary gny akazony, dra nagnary botany tamigny sioky, 24gny lahibenigny kapiteny dra nandidy an'i Paoly ba handesy agny amigny lapa. Izy nandidy fa tokony hadigny miaraky amigny zera izy, ka ba izy vatany avo gny tokony hahay ho nagnino ereo nanohisy anazy manahaky anizay io.25Gny fa namehy anazy tamigny kofehy holisy ereo, dra hoy Paoly tamigny kapiteny ze nisanga teo: "Ara-dalana ho andrareo ra gny manakaravasy lelahy ze Romana vo sy bo nisa koa? 26Gny fa nahare anizay gny kapiteny, dra nagnagny amigny lahibenigny kapiteny izy dra nizaka anazy, nizaho ho: "Ino raha ataonao zao? Fa poninigny Romana lelahy hoky io."27Nagnato gny lahibenigny Kapiteny, vo nizaka taminazy ho: "Zakao anahy, poniny Romana ra hanao io?" Paoly namaly ho: "Eh." 28Dra namaly gny lahibenigny kapiteny ho: "Tamigny vola be avo gny nahazoako io zopirenena io. Fa i Paoly nizaka ho: "Nateraky ho poniny Romana zaho." 29Dra nagnenga anazy teo no ho eo gny lelahy nametra-pagnotania aminazy igny. Natahosy avo koa gny lahibenigny Kapiteny, gny fa fatany fa poniny i Paoly, akory izy namehy anazy.30Gny maraindray, te hahay gny mary momba reo fagnendrikendrehan'ireo Jiosy nanohisy an'i Paoly gny lahibenigny kapiteny. Dra vihahany gny fehi vo nibekony gny pisorombe vo reo fila-kevisy aby ba hivory izy. Dra ninday an'i Paoly nizoso izy dra nametraky anazy teo agnevon'ereo.
Chapter 23

1I Petera dra nagnety tagny amireo pikamba tao amigny fila-kevisy dra nizaka ho: "Ry rahalahy, izaho dra fa niay teo agnatrehan'Agnahary tamigny fierisereta soa mandraky androany." 2Gny pisorombe Ananiasy dra nibaiko reo ze nisanga teo agnilany ba hameleza gny vavany. 3Boak'eo i Paoly nizaka anazy ho: "Zagnahary dra hazera anao, hanao ry rindry voaloko fosy. hanao ra dra mipetraky hisara anahy amigny lala, nefa mandidy anahy ba ho zera, sy araky gny lalana?4Reo ze nisanga teo dra nizaka ho: "Izao ra gny fomba hanevatevandrareo gny pisoromben'Agnahary?" 5I Paoly nizaka ho: "Sy nahafatasy zaho, ry rahalahy, ho izy gny lahibenigny pisorombe. Fa voasorasy ho: Sy tokony hizaka rasy gny pitondra gny vahoakinao hanao."6Gny fa hitan'i paoly fa gny ilany tamigny fila-kevisy dra Sadoseo vo gny Fariseo hafa, dra nizaha fatrasy tao amigny fila-kevisy izy ho: "Ry rahalahy, Izaho dra Fariseo, zanadahin'ireo Fariseo. Izay gny izy akory izaho dra manategna soa gny fisangananigny maty hisara anahy." 7Gny fa nizaka anizay izy, dra nanomboky nisy fifandira teo amireo Fariseo vo reo Sadoseo, dra gny vahoaky dra nizara. 8Fa gny Sadoseo dra nizaka fa sy misy gny fisangana amigny maty, sy misy gny azely, vo sy misy gny Fagny, nefa gny Fariseo dra nagneky an'izy aby reo.9Noho izay dra nisy fitabataba fatrasy niseho, dra gny ilany tamireo panora-dalananigny Fariseo dra nisanga vo nialy hevisy, nizaka ho: "Zahay dra sy mahita raha diso aminy lelahy hoky. Ino raha gny fagnahy na gny azely gny nizaka taminazy?" 10Nony nisy fifandira fatrasy teo, gny kapiteny pitariky dra natahosy so ba hifandropahan'ereo i Paoly, noho izay izy dra nandidy gny maramila ba hizoso vo hangalaky anazy akeriny agny amireo pikamba ao amigny fila-kevisy, vo hinday anazy agny an-dapa.11Gny hariva magnaraky gny Topo dra nizoro teo agnilany vo nizaka ho: "Ka matahosy, fa manahaky gny nizoroanao vavolombelo momba anahy tagny a Jerosalema, gny sy maisy hizoroanao vavolombelo agny Roma avo koa."12Gny fa ny maray gny andro, gny Jiosy ilany dra namoro tetiky dra nagnozo gny vatan'ereo miaraky amigny fiegna ba sy hihina na hino na ino na ino mandra-pahavian'ereo i Paoly. 13Mihoasy gny efapolo olo ereo ze namoro io tetiky io.14Ereo dra nandeha tagny amireo pisorombe vo gny loholo dra nizaka ho: "Zahay dra fa nanao fagnozogna lahibe tamigny vatanay, ba sy hihinana na ino na ino mandra-pamonoanay an'i Paoly. 15Amizao, noho izay, angao gny fila-kevisy hizaka amigny kapiteny pitariky ba hindesa anazy hizoso eto amindrareo, dra handrareo manahaky gny hanapa-kevisy amigny raha-misy momba anazy mary kokoa. Fa ho anay, Zahay dra vonona gny hamono anazy alohanigny fahaviany eto."16Nefa gny zanadahinigny anabavin'i Paoly dra nahare fa teo apandignisa gny hamonoa anazy ereo, noho izay izy dra nandeha vo nilisy gny lapa dra nizaka tamin'i Paoly. 17I Paoly dra nitoka gny raiky tamireo kapiteny dra nizaka ho: "Andeso agny amigny kapiteny pitariky ty tovolahy tihoky, fa mana raha zaka aminazy izy."18Noho izay gny kapiteny dra nitakasy gny tovolahy igny vo ninday anazy tagny amigny Kapiteny pitariky dra nizaka ho: "I Paoly gadra gny nitoka anahy ho aminazy agny, dra nangataky anahy ba hinday ty lelahy tihoky eto aminao izy." 19Gny kapiteny pitariky dra nangalaky anazy tamigny tana ho agny amigny toera mitoka dra nagnotany anazy ho: "Ino zany gny tokony ho zakanao aminahy anizay?"20Gny tovolahy nizaka ho: "Reo Jiosy dra fa nagneky gny hangataky aminao ba hindesa an'i Paoly hizoso agny amigny fila-kevisy maraindray, manahaky gny ho, ereo dra handeha hagnotany gny momba anazy miaraky. 21Nefa ka magneky anereo, akory nisy olo mihoasy gny efa-polo ze fa vonona gny hamono anazy. Nitoka ozo ho anigny vatany ereo, ba sy hihina na hino mandra-pamonoan'ereo anazy. Fa na dre izao aza dra fa vonona ereo, mandigny fagneke boaky aminao agny."22Dra nanganigny kapiteny pifehy handeha gny tovolahy, tafaranigny nanoroany anazy ho: "Ka mizaka na amin'iza na amin'iza ho nizaka reo raha reo taminahy hanao." 23Boak'eo izy dra nitoka ho eo aminazy gny ro tamireo kapiteny dra nizaka ho: "Alao gny maramila rozato ze vonona gny handeha amy Kaisara agny, vo pitikisy sovala fitopolo avo koa, dra pinday lefo rozato. Handeha hanao amigny ro fahatelonigny aliny. 24Izy avo koa dra nandidy anereo ba hagnome lily ze afaky hitikiran'i Paoly, dra ba hinday anazy soa ama-sara agny amin'i Feliksa gny governora.25Boak'eo dra nanorasy taratasy manahaky anizao izy: 26"Klaodio Lisia ho an'i Feliksa Governora soa indrindra, arahaba. 27Io lelahy io dra nisamborinigny Jiosy dra saiky nivonon'ereo, gny fa avy teo amin'ereo niaraky tamireo miaramila zaho dra nagnavota anazy, akory nahafatasy zaho fa izy dra olo-pirenena Romana.28Izao dra te hahay gny atony niapangan'ereo anazy, noho izay dra nandesiko nizoso tao amigny fila-kevis'ereo izy. 29Nahafatasy zaho fa voapanga tamigny aly hevisy mikasiky gny lalan'ereo manoka izy, nefa sy nisy fiapanga nanohisy anaze ze mendriky fahafatesa na fagnagadra. 30Boak'eo dra napahafatary anahy fa nisy tetiky hanohera gny lelahy igny, noho izay dra nandefa anazy teo noho eo tagny aminao zaho, dra nagnafasy gny piapanga anazy avo koa ba hinday gny fagnamelohan'anereo anazy eo agnatrehanao. veloma."31Dra noho izay reo maramila dra nakato gny baikon'ereo. Nalan'ereo i Paoly dra nandesiny tamigny hariva igny a Antipatria agny. 32Gny maraindray, gny akamaroan'ireo maramila dra nagnenga gny pitikisy sovala ba handeha hiaraky aminazy fa ereo dra nihery tagny an-dapa. 33Gny fa avy agny i Kaisara reo pitikisy sovala dra nanolosy gny taratasy igny ho anigny governora, dra nanolosy an'i Paoly taminazy avo koa.34Gny fa namaky gny taratasy gny governora, dra nagnotany gny faritany ze niavian'i Paoly izy. Gny fa fatany fa boak'agny Kilikia izy, 35dra nizaka ho: "Izaho dra hahare tateraky anao gny fa avy eto gny piapanga anao." Dra nasany nitana tao ao amireo foibenigny fazakan'i Heroda izy.
Chapter 24

1Tafaranigny dimy andro, Ana niasy gny pisoro be, gny loholo ilany, dra pikabaro atao ho Tertylo dra nandeha tagny . Reo lelahy reo dra ninday fiapanga an'i Paoly teo anoloany governora . 2GNy fa nisanga teo anoloanigny governora i Paoly, dra nanomboky niapanga anazy i Tertylo dra nizaka tamigny governora ho: "Noho hanao dra mana fedagna lahibe zahay, dra gny fahitanao dra minday fanova soa eo amigny firenenay; 3ko apakasitraha tateraky gny handresanay gny raha aby ze ataonao, ry Feliksa soa indrindra.4Ba sy hitanako andrareo ela loasy, dra mangataky fotoa fohy amindrareo zaho ba hiteno anahy apahatonia. 5Fa io lelahy io dra hitanay fa pagnakorota dra gny raiky ze nitariky gny Jiosy aby manera anizao totolo zao hikomy. Izy gny pitariky gny sekta gny handoto gny tepoly, dra nisamborinay izy. (Fagnamariha: Reo atota-taratasy taloha araky gny lalanay izy."')7(Fagnamariha: Reo atota-taratasy taloha dra ahita ao amigny andininy hafa 7 ho: "Fa Lysia, piandrekisy, avy dra nangalaky anazy a-keriny teo atagnanay.") 8Gny fa magnotany an'i Paoly mikasiky reo raha aby reo hanao, dra ho fatasao momba anazy reo." (Fagnamariha: Reo atotataratasy taloha dra nagnapy ao amigny tapany volohany amigny andininy faha 8 ho: "Nandefa anay teo aminao.") 9Reo Jiosy koa dra nagnapy trotraky anireo fiapanga reo, dra nagnamafy fa mary avokoa reo.10Fa gny fa nitondronigny pazaka hizaka i Paoly, dra namaly i Paoly ho: "Fatasao fa hanao dra fa pisara teto amity firenena tihoky nandrisy gny tao maro, dra faly gny vatako magnazava aminao. 11Ho fatanao fa sy bo nihoasy gny ro ambiny folo andro ze gny nekarako nidera ta Jerosalema agny. 12Gny fa hitan'ereo tao atepoly zaho, dra sy nialy hevisy na tamin'iza na tamin'iza zaho, dra sy napirisiky gny vahoaky, na tao amireo Synagoga, na tao atana. 13Sy afaky magnaporofo aminao gny fiapanga ze ataony aminahy amizao ereo.14Fe seky izaho magneky anizao aminao, araky gny fapenara ze ataon'ereo ho Sekta, dra manahaky anizay koa gny hanopoako gny Zagnahariny gny razambesika. Izaho dra matoky amize ao amigny lalan'aby vo reo voasoras'ireo paminany. 15mana gny fahatokia an'Agnahary manahaky gny fahatokia an'Agnahary manahaky gny olo reo zaho, fa hisy gny fisangananigny maray vo gny rasy fagnahy amigny maty. 16Noho izay zaho dra miezaky mandrakariva ba hana fisegna malio eo agnatrehan'Agnahary vo gny olombelo.17Dra tafaranigny tao maro dra avy zaho hinday fagnapia ho anigny fireneko vo fagnomeza ara-bola. 18Gny fa vitako zay, nisy Jiosy visivisy boak'agny Asia nahita anahy tagny amigny fetinigny fagnadiova tao amigny tepoly, sy niaraky tamigny vahoaky na tabataba. 19Reo olo reo dra tokony ho eo agnatrehandrareo amizao dra hizaka ze j hiapangan'ereo anahy, raha mana raha ereo.20Na koa, gny olo reo avo koa sy tokony hizaka ze hitan'ereo sy mety aminahy atiky gny fa nisanga teo anoloanigny fila-kevisy gny Jiosy zaho, 21raha sy ho momba gny raha raiky ze nihikiako gny fa teo agnevon'ereo zaho: 'Izay dra mikasiky gny fisangananigny maty ze hisara anahy eto agnatrehandrareo androany.'22Dra Feliksa, ze napahafatary soa momba gny fapenara. Izy dra nizaka ho: "Gny fa mizoso boak'a Jerosalema agny i Lysia pandidy, dra hanapa-kevisy gny amigny raharahanao zaho." 23Boak'eo izy nandidy gny kapiteny fa i Paoly dra tokony hambena, fa ba hisy fahafaha dra sy hisy amireo namany ho sakana amigny fagnapia ze raha taliaviny.24Andro visivisy tafaran'izay, dra nihery niaraky tamin'i Drosila valiny i Feliksa, ze apelany Jiosy, dra nalefa ho an'i Paoly izy dra nahare taminazy momba gny finoa ao amin'i Kristy Jesosy. 25Fa gny fa nialy hevisy niaraky taminazy i Paoly momba gny fahamarigna, fahaonogna tegna, vo gny fisara ho avy, dra lasa natahosy i Feliksa dra nizaka ho: "Mandehana manomboky amizao. Fa gny fa mana fahafa zaho afara ao, dra handefa ho anao."26Nandris'izay fotoa zay avo koa, dra nanategna izy fa hagnome vola anazy i Paoly, noho izay dra nandefa ho anazy matetiky izy dra nizaka taminazy. 27Fa gny fa afaky ro tao, dra lasa governora nandimby an'i Feliksa i Porsio Fastosy, fe seky Feliksa te hahazo sitraky tamireo Jiosy, dra nangany hambena avo i Paoly.
Chapter 25

1Amizao, Festony nilisy tao amigny farisy, vo telo andro tafara atiky, dra niakasy boak'ao Kaiisaria izy hagna Jerosalema agny. 2Gny lohanigny pisoro vo reo Jiosy mana-kaza dra niiinday hasiaha an'i Paoly, dra napirisiky anazy 3vo nangataky taminazy ereo ba hapidi-doza an'i Paoly_dra mety hapiaso an'i Paoly ho agny Jerosalema Festosy ba afahan''ereo mamono anazy egny andala.4Kanefa Festosy namaly fa gadra ao Kaisaria Paoly, dra izy vatany dra hihery agny sy ho ela. 5"Noho izay, reo ze afaky," hoy izy: "dra tokony handeha hiaraky aminay ho agny. Gny fa nanao raha sy mety gny lelahy, dra tokony hiapanga anereo handrareo."6I Festosy dra sy nizano nihoasy gny valo-polo andro dra boak'eo nizoso nagnagny Kaisara, dra gny andro magnaraky dra nipetraky teo amigny toeranigny fiseragna izy dra nandidy an'i Paoly ba handesy agny aminazy. 7Gny fa avy izy, dra nipetraky teo agnilany teo gny Jiosy boak'agny Jerosalema, dra ninday fiapanga lahibe maro ereo ze sy afaky niporofon'ereo. 8Niaro-tegna i Paoly vo nizaka ho: "Sy nanao raha rasy manohisy gny lalanigny Jiosy zaho na manohisy gny tepoly na manohisy an'i Kaisara."9Fe seky nitalia ze ahazoa gny fahasitrahn'ireo Jiosy i Festosy, dra noho izay dra namaly an'i Paoly izy dra nizaka ho: "Te-hiaka ho agny Jerosalema ra hanao dra ho sarako momba gny raha tagny reo? 10Hoy Paoly ho: "Misangana eto nognoloanigny seza fisaran'i Kaisara zaho ze sy maisy hisara anahy. Sy nanao rasy gny Jiosy zaho, araky gny fa fatasao soa.11Kanefa gny nanao rasy zaho dra raha nanao ze mendriky gny fahafatesa, dra sy manda gny ho maty. Fa gny sy misy reo fiapangan'ereo, dra sy misy olo afaky minday anahy ho agny amin'ereo. Mangataky an'i Kaisara zaho." 12Gny fa boaky nizaka tamigny fila-kevisy Festosy, dra namaly izy ho: "Nangataky an'i Kaisara hanao. Agny amin'i Kaisara gny handehanano.13Dra tafaranigny andro visivisy, dra avy tamin'i Kaisara i Agripa pazaka vo Berenika ba hamangy an'i Festosy. 14Tafaranigny naha tao anazy nandrisy gny andro maro, dra natolos'i Festosy teo amigny pazaka gny raharahan'i Paoly; nizaka izy ho: "Nisy lelahy raiky nangan'i Felix atiky manahaky gny gadra. 15Gny fa tagny a Jerosalema zaho, dra ninday fiapanga ty lelahy tihoky taminahy atiky reo lohanigny pisoro vo reo loholonigny Jiosy, dra nangataky zaka fahasiaha ho anereo reo. 16Namaly anereo zaho fa sy fombanigny Romana gny manolosy olo melohanigny hiatrehany reo piapanga anazy vo hanagnany fahafaha hiaro-tegna amireo fiapanga.17Noho izay, gny fa nindray avy teto ereo, dra sy nandigny anahy, fa gny andro magnaraky dra nitoby teo amigny sezanigny fisara zaho dra nibaiko gny hapidira gny lelahy igny. 18Gny fa nisanga reo piapanga dra nagnameloky anazy, dra niheveriko fa sy nisy goava gny fapianga nandesin'ereo ho anazy. 19Fa nifamaly ereo mahakasiky gny fivavahan'ereo manoka vo momba anizay Jesosy ze maty zay, ze zinakan'i Jesosy ze maty zay, ze nambaran'i Paoly gny fa velo. 20Sy azoko atoko gny fomba hagnadihadia ty tranga tihoky, dra noho zay dra nagnotaniako izy vasa vonona gny ho agny Jesosalema ba ho sara agny momba gny fiapanga reo.21Fa gny fa nangataky gny hizagnogna ao apoza ba handigny gny fanapaha-kevisy gny Aperora i Paoly, dra nandidy anazy zaho ba ho tana ao apoza izy mandra-pandefasako anazy agny amin'i Kaisara." 22Agripa nizaka tamin'i Festosy ho: "Te-hahare ty lelahy tihoky avo koa zaho." Maraindray, " Hoy Festosy: "Hahare anazy hanao."23Dra gny andro magnaraky, dra avy niaraky tamigny lanona marobe Agripa vo Berenika; nagnao amigny efitragno lahibe niaraky tamireo maramila pifehy vo reo lelahy manan-kaza teo amigny tana ereo. Gny fa nizaka gny lily Festosy, dra nandesin'ereo i Paoly. 24Hoy Festosy ho: "Agripa pazaka, vo handrareo lelahy aby ze miaraky aminay eto, hitandrareo ty lelahy tihoky; reo vahoakinigny Jiosy aby nifagnaraky taminahy tagny a Jerosalema vo eto avo koa, dra nitaray taminahy ereo fa sy tokony ho velo sasy izy.25Fataro fa sy nanao na ino na ino mendry gny fahafatesa izy; fa akory nangataky gny Aperora izy, dra nanapa-kevisy zaho gny handefa anazy. 26Fe seky sy misy raha manan-daza ho soratiko agny amigny Aperora. Noho izay atony zay, dra nandesiko teo amindrareo izy, indrindra aminao, Agripa Pazaka, ba afahako mana raha ho soratiko bebe kokoa momba gny raharaha. 27Akory ho sy mety aminahy gny mandefa gadra vo sy mizaka ze hiapa anazy koa.
Chapter 26

1Noho izay Agripa nizaka tamin'i Paoly ho: "Afaky mizaka ho anigny vatanao hanao." Dra nagnisy gny tagnany Paoly dra nanao gny ferova-tegnany. 2"Maneho gny vatako manahaky gny lafy zaho, ry Agripa pazaka, ba hinday gny raha mahazo mahazo anahy eto anoloanao androany manohisy reo fiapanganigny Jiosy aby; 3indrindra, akory hanao fa matihany amigny fomba ama-panao vo fagnotanianigny Jiosy aby. Noho izay dra mangataky anao zaho hiteno anahy apahareta.4Marina fa, gny Jiosy aby dra mahafatasy gny fomba fiegnako hatramigny fahatanorako tagny amigny fireneko manoka vo tao Jerosalema. 5Ereo dra nahafatasy anahy boaky ambolohany dra tokony hagneky ereo fa Fariseho fiegna zaho, gny hala indrindra amigny atokigny fivavahasika.6Dra mizoro eto zaho ba ho sara akory te hapanategna ze nataon'Agnahary tamireo razasika zaho. 7Fa tihoky gny fapanatena natenanigny fokosika roambinifolo ho takary raha nanopo an'Agnahary andro aman'aly vatany ereo. Ho an'Izay fanatena zay, ry Agripa pazaka, gny hiapangan'ireo Jiosy anahy. 8Nagnino handrareo gny mihevisy fa sy azo inoa fa mananga gny maty zagnahary?9Nisy fotoa zaho nihevisy tamigny vatako fa tokony hanao raha maro manohisy gny agnaran'i Jesosy boak'agny Nazareta zaho. 10Nanao anizay tagny Jerosalema zaho. Nagnily maro tamireo pino tagny apiza tamigny fahefa nitakariko boaky tamireo lohanigny pisoro zaho, dra gny fa voavono ereo dra nandasaky gny vatoko hanohisy anereo zahoo.
11Nisaziko imaro ereo tagny amireo Synagoga aby dra niezaky gny hanery anereo ba hizaka rasy zaho. Nasiaky fatrasy tamin'ereo zaho vo nagnitriky anereo na dre tagny amireo tana lavisy agny aza.12Gny bo nanao anizay zaho, dra nandeha tagny Damaskosy niaraky tamigny fahefa vo reo lily boaky amireo lohanigny pisoro; 13dra nizaka an-dala nagnagny, tamigny mitataovovogna, ry pazaka, dra nahita hazava noho gny masoandro zaho ze namirasy noho gny masoandro vo izay dra namirasy nagnodidy anahy vo reo lelahy ze niara-dia taminahy. 14Gny fa nezera tamigny tany zahay aby, dra nahare feo nizaka taminahy zaho ze nizaka tamigny zaka Hebreo ho: 'Saoly, Saoly, nagnino hanao gny magnitriky anahy? Sarosy ho anao gny hidaka fagnindro.'15Boak'eo nizaka zaho ho: 'Iza hanao, Topo moa?' Gny Topo namaly ho: 'Izaho gny i Jesosy ze ezehinao. 16Amizao miheregna dra misangana amigny tombokao; akory noho izao totolo izao gny nisehoako taminao, ba hanendry anao ho panopo vo ho vavolombelo mahakasiky reo raha ze fatasao momba anahy amizao vo reo raha ze hanehako anao ao afara kely; 17dra hagnavosy anao ao amigny vahoaky vo reo Jentilisa ze hagnirahako anao zaho, 18ba hanokaky gny mason'ereo dra hapitoliky anereo hiala amigny mezy hagnagny amigny fahazava dra amigny herinigny Satana hagnagny amin'Agnahary, ba hafahan'ereo mitakasy boaky amin'Agnahary gny famela-keloky gny fahota vo gny lova ze ameko anereo ze nihamasigny tamigny finoa anahy.19Noho izay, ry Agripa pazaka, nakatoa gny fitahia boak'agny andagnisy zaho; 20fa, gny anireo ze tagny Damaskosy aloha, dra boak'eo tagny a Jerosalema, dra nanera gny taninigny Jodia aby, dra tamireo Jentilisa, nagnome anereo gny fahatra zaho fa tokony hibebaky vo hitoliky amin'Agnahary ereo, hanao gny asa mendry gny fibebaha. 21Noho izay atony zay gny nanamboranigny Jiosy anahy tao atepoly vo niezaky hamono anahy.22Nagnapy anahy hatram'izao magnisy, noho zay dra misanga zaho dra mizoro zaho dra mizoro vavolombelo amigny olo-sotra vo amireo mana-kaza sy hiizaka na ino na ino mihoasy ze nizakan'ireo paminany vo Mosesy fa hitranga; 23fa sy maisy hiiizaly krity, dra Izy gny ho volohany hisanga amireo maty ba hisanga vo hisanga vo hitory fahazava ho anireo vahoaky Jiosy vo reo Jentilisa."24Gny fa vitan'i Paoly gny ferova-tegnany, dra nizaka tamigny feo fatrasy Festosy ho: "Paoly, very say hanao; gny fenaranao be loasy gny nahavy anao ho very say." 25Fa hoy i Paoly ho: "Sy very say zaho, ry Festosy, fa amigny fahavania zaho mizaka zakanigny fahamarigna vo fahamatora. 26Fa gny pazaka mahafatasy gny momba anibzay raha zay; dra noho izay, mizaka akalalaha aminazy zaho, fa resy lahasy fa sy nisy tamizay navony taminazy; akory sy natao tagny amigny tako anizay.27Mino gny paminany ra hanao, ry Agripa pazaka? Fataso fa mino hanao." 28Agripa nizaka tamin'i Paoly ho: "Ao agnatinigny fotoa fohy ra gny handresena lahasy anahy vo hanovanao anahy ho Kristiana?" 29Hoy Paoly ho: "Mivavaky amin'Agnahary zaho, ba ho ao agnatinigny fotoa fohy na fotoa lava, sy hanao avo, fa gny mahare anahy androany aby, dra hitovy aminahy, fa sy miaraky anireo ravaky reo."30Boakb'eo nisanga gny pazaka, vo gny governora, vo Berenika avokoa, vo reo ze nipetraky niaraky tamin'ereo; 31gny fa nagnenga gny tragno fivoria ereo, dra nifapizaka dra nizaka ho: "Ty lelahy tihoky sy manao raha mendriky gny fahafatesa na famotora." 32Hoy Agripa tamin'i Festosy ho: "Ty lelahy tihoky dra afaky nalefa raha sy tonoka tagny amin'i Kaisara izy.
Chapter 27

1Gny fa tapaky fa tokony hitikisy sambo ho agny Italia zahay, dra natobin'ereo i Paoly vo reo gadra hafa ho eo ambaninigny fiahianigny kapiteny raiky atao i Jolio zay anigny rezimatany Aperora. 2Nilisy tagnaty sambo raiky boak'agny Adramytena zahay, ze hiondra magnaraky gny sisi-taninigny Asia. Dra nandeha an-dranomasy zahay. Aristarko boak'agny Tesalonika agny Mekedonia dra nandeha niaraky taminay.3Gny andro magnaraky dra avy tao amigny tanananigny Sidona zahay, nandesan'i Jolio an'i Paoly tamigny hasoafagnahy vo nagnenga anazy handeha ho agny amireo namany hitakasy gny fikarakaran'ereo. 4Boak'agny zahay gny nandeha andranomasy vo nitikisy sambo nagnaraky gny moron'i Kyprosy, nagnariny gny nosy, akory nanohisy anay gny rivosy. 5Boak'eo nitikisy sambo namakivaky gny ranomasy zahay dra nagnariny gny sisitaninigny kilikia vo i Pamfilia, Boak'ao Myra zahay, tananigny Lykia. 6Tagny gny Kapiteny dra nahita sambo raiky boak'agny Aleksandria ze hitikisy sambo hagna Italia agny. Napetrany tao amizay zahay.7GNy fa nitikisy sambo niada nandrisy gny andro maro zahay dra gny farany avy tapahasahiragna teo agnilanigny kinidio, dra sy nagnenga anay handeha tamizay lala zay sasy gny rivosy, dra nitikisy sambo nagnaraky gny ilany tako-drivosy gny Kreta zahay, mifanandrify amigny Salmona. 8Nagnaraky morony tapahasahiragna zahay, mandrapahavianay tagny amigny toera raiky atao a soa-fitolia-sambo zay, agnilanigny tananigny Lasea.9Dra nandany fotoa maro zahay, fa dila avo koa gny fotoa fifaliakanin'ireo Jiosy, dra fa lasa napidi-doza gny miondra sambo. Dra napitandry anereo Paoly, 10dra nizaka ho: "Ry lelahy, hitako fa ty lia hataosika tihoky dra hisy faharata vo fatiatoky maro, sy ho anigny eta vo gny sambo avo, fa ho anigny aisika koa." 11Fa gny kapiteny nagnome laza kokoa gny pinday vo gny toponigny sambo noho reo raha zinakan'i Paoly.12Akory ao amigny sera dra sy mora raha hizano mandrisy gny ririny, dra maro tamireo pitikisy sambo gny nanoro hevisy gny hiondra hiala eo, dra ba afaky hihazo gny tananigny Foinikasa amigny fomba aby zahay, ba hitoby agny mandrisy gny ririny. Foiniksa dra serana agny Kreta, dra magnatriky gny magnavaras-andrefa vo gny magnasomo-andrefa zay. 13Gny fa nanomboky nisioky malemy gny andro boaky asimo agny, dra nihevisy reo tasambo fa nana ze nitaliavin'ereo. dra napakasy gny vatofasiky dra niondriky nagnaraky an'i Kreta ereo, nagnariny gny moron-dranomasy.14Fa afaky fotoa fohy dra nisy tafion-drivosy mahery, natao ho Eoraklydona, nanomboky nameli fatrasy boak'agny amigny nosy. 15Gny fa trasy gny tafiosy gny sambo sasy, dra sy maisy nagnome lala gny tafiosy zahay dra nandesinigny rivosy tegny aby. 16Nitikisy sambo nagnaraky gny maronigny nosy kely raiky atao ho Kaoda zahay, dra tami-pahasahiragna gny nahafahanay niaro gny laka famozen'ay.17Gny fa napekarin'ereo gny laka famozena ay, dra napesan'ereo gny talin'izay ba hamahea gny vatanigny sambo. Natahosy ereo fa tokony handeha amboninigny fasy mandrevony Syrtiso, dra nalasak'ereo gny vatofasiky gny ranomasy dra nandeha ho azy tegna. 18Trasinigny fameleza mahery vaikanigny tafiosy zahay hany ka gny andro magnaraky io dra nanomboky nagnary reo eta tagny ivelanigny sambo ereo.19Tamigny andro fahatelo gny tasambo dra nagnary gny etanigny sambo tagny ivelanigny sambo tamigny tanan'ereo manoka. 20Gny fa sy namirasy taminay nandrisy gny andro maro gny masoandro vo gny kita, dra bo namely anay gny sioky lahibe, dra levo avokoa gny fanatena gny hahavoavozy anay.21Gny fa lasa lavisy sy nisy hany ereo, dra nisanga teo amireo tasambo Paoly boak'eo dra nizaka ho: "Ry lelahy, tokony niteno anahy handrareo, dra sy niondra boak'agny Kreta, ho trasin'izao faharata vo fatiatoky zao. 22Amizao dra mapirisiky andrareo zaho ba hahery, fa sy hisy fahaverezan'ay eo agnevonireo, fa ba ho gny sambo avy.23Fa tamigny hariva dra nisy azelin'Agnahary ze topoko, ze topoko avo koa_ nisanga teo agnilako gny azeliny 24dra nizaka ho: 'ka matahosy, ry paoly. Sy maisy hisanga eo agnatrehan'i Kaisara hanao, dra ingo, Zagnahary ao amigny hasoafagnahiny gny nagnome anao reo miasambo aby miaraky aminao.' 25Noho izay mionogna, ry lelahy! Fa mahatoky an'Agnahary zaho fa hitranga araky ze voazaka taminahy zay. 26Fe seky sy maisy hidodo aminy nosy maromaro sika."27Gny fa avy gny hariva faha-efasy ambiny folo, fa gny natopatopa tesy sy eroa tao amigny ranomasinigny Adrea zahay, Tokony ho tamigny sasal'aly dra nihevisy reo tasambo fa nagnariny tagny ereo. 28Dra nangalaky refin-drano ereo dra nahita fa efapolo metasy gny halaliny; tafara kelin'izay, dra bo nangalaky refin-drano ndraiky ereo vo nahita fa telopolo metasy gny halaliny. 29Natahosy ereo so hidodo amireo vato reo zahay, dra nandasaky vatofasiky efasy boa'ao afaran'ereo dra nivavaky ba hiavianigny mary sy ho ela.30Reo tasambo dra nitalia fomba handoza gny sambo nandasaky gny laka famoze ay tagny an-dranomasy, dra noly nandasaky gny vatofasiky boak'eo andoha-sambo ereo. 31Fa i Paoly nizaka tamigny kapiteny vo reo maramila ho: "Raha sy mizano agnaty sambo reo lelahy reo, sy ho voavozy handrareo." 32Boak'eo reo maramila reo nanapaky gny talinigny laka dra vo nagnenga anizay ho rendriky.33Gny fa nanomboky nihazava gny andro, dra napirisiky anereo aby i Paoly ba hangalaky hany maromaro. Hoy izy ho: "Ty andro tihoky gny andro faha-efasy ambiny folo ze handignisandrareo dra sy hitenoandrareo; sy nihina na ino na ino handrareo. 34Noho izay dra mapirisiky andrareo zaho ba hahavelo andrareo. Fa sy hisy na raiky amindrareo ze ho levo dra gny singam-bolon-dohany aza." 35Gny fa boaky nandesiny zay izy, dra nangalaky mofo dra nisaotra an'Agnahary teo amasonigny olo aby. Boak'eo izy nizarazara gny mofo dra nanomboky nihinana.36Boak'eo dra nahery izy aby dra nangalaky hany avo koa. 37Olo 276 zahay gny tao agnaty sambo. 38Gny fa nihina soa ereo, dra nihamevagnin'ereo gny sambo tamigny agnaran'ereo vary tagnaty ranomasy.39Gny fa avy gny andro, dra sy fatas'ereo gny tany, fa nahita helon-drano raiky nisy tora-pasy ereo, dra nifadiniky ereo raha afaky hinday gny sambo tegny. 40Dra nitapahin'ereo vatofasiky dra nangan'ereo tagny an-dranomasy. Niaraky tamize nalasak'ereo gny taly teo amigny famarota vo nasangany gny lay ho eo amigny rivosy; dra niroso nagneo amigny pisy fasy ereo. 41Fa boak'eo amigny toera raiky ze nisy ranomasy nifanapaky ereo, dra nizoso tamigny tany gny sambo. Dra gny loha-sambo dra nirekisy teo vo nizano sy afa-nihesiky, fa gny foriny koa nanomboky vaky nohonigny herinigny rano.42Gny tetik'ireo maramila dra gny hamono reo gadra ba sy ho afaky mienga ereo. 43Fa gny kapiteny te-hamozy an'i Paoly, dra nazanony gny tetik'ereo; dra nameny baiko reo mahay misiha ba hilasaky ivelanigny sambo aloha vo ho egny angroanga. 44Boak'eo tokony hagnaraky gny ambinigny lelahy, gny ilany agnabo hazo, dra gny ilany agnabo raha hafa boak'ao amigny sambo. Manahaky anizay gny nitranga dra gny taminay aby dra avy soa ama-sara tegny androanga.
Chapter 281Gny fa avy soa ama-sara zahay, dra hitanay fa gny tany dra natao ho Malta.

2Reo teratany dra sy nagnome hasoa-fagnahy sotra taminay avo, fa nandrehisy afo ereo dra napandroso anay aby , nohonigny oram-be vo hasiaky.3Fa gny fa nanango hita vo nametraky anizay teo amigny afo Paoly, dra nisy menarana niboaky nohonigny hafana, vo nifehy tamigny tagnany. 4Gny fa nahita gny biby nihato teo amigny tagnany reo teratany, dra nifapizaka ereo ho: "Tena pamono olo ze nienga boak'agny andranomasy io lelahy io, gny rariny dra sy tokony ho velo izy."5Fa boak'eo nagnozongozo gny biby ho agnaty afo izy nefa sy narasy. 6Nandigny anazy ba ho voanigny tazo na ho maty tapoky ereo. Fa gny fa boaky nagnety anazy maharisy ereo dra nahita fa sy nisy raha sy mahazasy nazo anazy, dra niova hevisy ereo vo nizaka fa izy dra zagnahary.7Dra tamigny toera mariny teo nisy reo tany ze anigny lelahy lahibenigny nosy, lelahy atao i Poplio zay. Nitakasy anay izy vo nagnome hany anay tamigny hasoa-fagnahy nandrisy gny telo andro. 8Gny baban'i Poplio dra nararinigny tazo vo mivala lio. Gny fa nagnagny aminazy i Paoly, dra nivavaky izy, nametraky gny tagnany teo aminazy, vo nagnasitra anazy. 9Tafaranigny nitrangan'izay, dra nagnato anazy avokoa gny ambinigny vahoaky aby ze narary teo amigny nosy dra nisitrany. 10Gny vahoaky avo koa dra nagnome voninahisy anay tamigny voninahisy maro. Dra gny fa nioma handeha hitikisy sambo zahay, dra nagnome anay ze nitaliavinay ereo.11Afaka telo vola zahay dra nandeha niondra tamigny sambo nizano tao amigny nosy nandrisy gny ririny, sambon'i Aleksandria, misy"' sarikamban'agnahary" eo anoloanigny sambo. 12Gny fa avy tamigny tanan'i Sirakosa zahay, dra nitoby tao nandrisy gny telo andro.13Niala boak'eo zahay gny nitikisy sambo tagny amigny tanan'i Regioma. Dra gny fa afaky andro raiky dra nisy rivosy nisioky boak'agny asimo, dra ro andro zahay vo niavy a tanan'i Potioly ao. 14Tao gny nahitanay gny rahalahy ilany vo nanasa anay ba hizano hiaraky amin'ereo mandrisy gny fito andro. Tamigny alalan'izay gny nahavianay a Roma agny. 15Boak'egny reo rahalahy, tafaranigny naharezan'ereo gny momba anay, dra avy niseza anay hatregny amigny senan'i Apio vo reo tragnom-bahiny telo. Gny fa nahita gny rahalahiny Paoly, dra nisaotra an'Agnahary izy dra nahazo hery.16Gny fa nilisy tao Roma zahay, dra nahazo lala hira-hiay amireo maramila niamby anazy i Paoly. 17Dra gny fa afaky hateloa tafaranizay dra napitoka gny lelahy vo gny petarky teo amigny Jiosy rei i Paoly. Gny fa niaraky avy ereo, dra nizaka tamin'ereo izy ho: "Ry rahalahy, na dre sy nanao raha rasy tamigny olo na gny fomban'ireo razambesika aza zaho, dra natolosy ho gadra ta Jerosalema agny teo atagnanigny Romana. 18Gny fa boaky nagnadihady anahy ereo, dra nagniry gny hamono anahy, akory sy nisy atony tokony hapigadra anahy na hovono.19Fa gny fa gni nahisy gny fagnirian'ereo gny Jiosy, dra voatery zaho napitoka an'i Kaisara, na dre sy manahaky gny ho ninday fiapanga hanohisy gny fireneko aza. 20Nohonigny tokako, dra nangataky gny hahita andrareo vo hizaka amindrareo zaho. Izay dra nohonigny fahatokian'Israely momba gny fahamatora anahy amity ravaky tihoky.21Boak'eo dra nizaka taminazy ereo ho: "Bo sy nahare gny taratasy momba anao boak'a Jodia agny zahay, na na gny rahalahy avy vo nitatisy na nizaka raha rasy momba anao. 22Fa tianay ho re aminao gny eriserisao momba anizay sekta zay, akory fatasay fa rasy laza egny amigny maro egny zay.23Gny fa nisafidy andro ho anereo reo, dra maro kokoa reo olo nagnato anazy tagny amigny tragno nivahiniany. Napahafatasy gny raharaha tamin'ereo izy, dra nizoro vavolombelo mombanigny fazakan'Agnahary. Niezaky nandresy lahasy anereo gny momba an'i Jesosy izy, na tamigny alalan'i MOsesy zay na tamigny alalanigny paminany, nanomboky maraindray dra hatramigny hariva. 24Gny ilany dra resy lahasy tamireo raha ze nizakany, gny hafa koa dra sy nino.25Gny fa synifagnaraky ereo, dra lasa tafaranigny nitalilian'i Paoly ty zaka raiky tihoky ho: "Gny Fagnahy Masy dra nizaka soa reo razandrareo tamigny alalan'Isaia paminany. 26Hoy izy ho: "Mandehana agny amireo vahoaky reo vo zakao ho: "Amigny fitenoa haharezandrareo, fa sy hahatakasy; vo amigny fahita gny hahitandrareo, fa sy hahita.27Fa nihadoto gny fon'ireo olo reo, dra sorasy amigny sofin'ereo gny hahare, dra nanapiky gny masony ereo. Fa gny sy zay dra mety afaky hahita amigny masony ereo, dra hahare amigny sofiny, vo hahatakasy amigny fony dra hihery ndraiky, dra hagnasitra anereo zea."'28Noho izay, Tokony ho fatandrareo fa ze famezen'Agnahary zay dra nalefa tamireo Jentilisa, dra hiteno ereo." 29(Fagnamariha egny amigny farany ambaninigny pezy: Asa 28-29- Gny atotataratasy ilany dra mana gny andininy. 29 ho: "Gny fa niteno reo raha reo izy, dra lasa gny Josy. Nisy fifandira lahibe teo amin'ereo.")30Paoly dra niay nandrisy gny ro tao magnizisy tao amigny tragnony nihofa manoka, dra nitakasy ze tao aminazy izy. 31Nagnambara gny fazakan'Agnahary izy dra napenariny reo raha momban'i Topo Jesosy Kristy tamigny fahavania. Dra sy nisy nanaka izy.

Romans

Chapter 1

1Paoly, panopon'i Jesosy Kristy, dra voatoka ho apostoly, dra voatoka ho pitory gny filazasaran'Agnahary. 2Io gny filazasara ze fa napanatenany meloha tamigny alalan'ireo paminany tao amigny Sorasy Masy. 3Izay dra mombanigny Zanadahiny, ze teraky boaky amigny taranak'i Davida araky gny nofo.4Tamigny fisanga tamigny maty, dra voazaka ho gny zanaky maherin'Agnahary tamigny herinigny Fagnahinigny fahamasigna Izy_ dra Jesosy Kristy Toposika. 5Tamigny alalany gny nandresasika fahasoava vo gny maha-apostoly amigny fakatoava gny finoa eo amigny firenena aby, noho gny Agnarany. 6Amigny firenena reo, handrareo avo koa dra voatoka ho an'i Jesosy Keisty.7Ty taratasy tihoky dra ho an'ireo ao Roma aby, ze malalan'Agnahary, ze voatoka ho olo-masy. Ho amindrareo anie gny fahasoava, vo fedagna avy amin'Agnahary Rasika vo i Jesosy Kristy Topo.8Volohany, Isorako gny zagnahariko amigny alalan'i Jesosy Kristy noho gny amindrareo aby, akory gny finoandrareo dra fa zinaka manera anizao totolo izao. 9Fa i Zagnahary gny vavolombelo, ze toposika ao amigny fagnahiko ao amigny filazasaranigny zanany, fa sy misahasy mizaka andrareo aminazy zaho. 10Mangataky avo zaho amigny vavaky ataoky gny ba ahombiazako amigny fomba aby araky gny sitrapon'Agnahary ba ho avy amindrareo.11Fa izaho dra magniry gny hahita andrareo, ba afahako magnome fagnomeza-pagnahy ilailany ho andrareo, ba hapahery andrareo. 12Izay, dra magniry zaho gny ba hifakaherezasika eto agnevosika, amigny alalanigny finoanigny sirairay aby, gny andrareo vo gny anahy.13Amizao sy tiako handrareo sy hafatasy, ry rahalahy, ho matetiky zaho gny mana fikasa hagnato andrareo, (nefa izaho dra vosaka mandrak'amizao), ba hahazoa vokasy eo amindarreo, manahaky gny fa nahazoako gny ambin'ireo Jentilisa avo koa. 14Izaho dra pitrosa amireo Grika vo reo vahiny, amigny hendry vo mola. 15Noho izay, aminahy dra vonona avo koa zaho hitory gny filazasara ho andrareo ze a Roma agny.16Fa izaho dra sy megnasy amigny filazasara, fa izay gny herin'Agahary ho famozena reo ze mino aby, ho anigny Jiosy aloha dra ho anigny Grika. 17Fa amizay gny anehoa gny fahamarignan'Agnahary boaky agny finoa ho amigny finoa, araky ze voasorasy ho: "Gny mary dra velo amigny finoa."18Fa gny fahasiahan'Agnahary dra naseho boaky andagnisy agny manohisy gny harasia-pagnahy vo gny sy fahamarignanigny olo, ze manaka gny fahamarigna amigny alalanigny sy fahamarigna. 19Izay dra ze fatasy momban'Agnahary dra hitan'ereo maso. Fa nihazavan'Agnahary ereo.20Fa reo endriny ze sy hita maso, ze heriny sy misy fetra vo maha-Zagnahary anazy, dra hita nazava soa, nanomboky tamigny fanapaha anizao totolo izao, tamireo raha ze nitapahy, Noho izay dra sy mana fela-signy ereo. 21Izay na dre fa nahafatasy gny momban'Anagnahary aza ereo, dra sy nagnome voninahisy amigny maha Zagnahary anazy, na koa nisaotra anazy. Fa ko, lasa mola asainy ereo, dra nihamezy gny fo doton'ereo.22Ereo dra nizaka anereo ho hendry, kanefa dra niha-lasa mola. 23Gny voninahisin'Agnahary sy mety lo dra natakalon'ereo sarin'endrikolombelo mety lo, voro, biby mana-tomboky efasy, vo reo raha mige.24Noho izay dra natolon'Agnahary ho amigny filanigny fon'ereo ho amigny fahalotoa ereo, ba ho afa-boninahisy eo amin'ereo avo gny vatan'ereo. 25Ereo gny nanakalo gny fahamarignan'Agnahary tamigny vandy, dra ze midera vo manopo gny zava-boahary fa sy gny Nahary, ze dera mandrakizay. Amena.26Noho izay, nalosin'Agnahary ho amigny filan-drasy mamoafaly ereo, fa reo apelan'ereo dra nanakalo reo fifandresa voazagnahary tamireo ze sy voazagnahary. 27Namahaky anizao koa, reo lelahy dra nagnenga gny fifandresan'ereo voazagnahary miaraky amigny apela dra napirehetinigny filana ara-nofo ho anigny izy samby izy. Reo dra lelahy ze nanao fihesiky mahamegnasy miaraky amigny lelahy dra nitakasy tao amin'ereo gny sazy ze mendriky anereo nohonigny fahasoavan'ereo.28Akory sy nagneky gny hana an'Agnahary ao amigny fieriseritany ereo, dra nameny say sy mendriky ereo, ba hanova reo raha ze sy mety.29Ereo dra feno gny sy fahamarigna, faharasia, fisiririta, dra lolopo aby. Ereo dra feno felogna, famonoa, fifandira, fitaky dra fikasa rasy. 30Ereo dra pifosa, pagnendrikendriky. dra palaiky an'Agnahary. Ereo dra mahary setra, miavo, dra mirehareha. Ereo dra pamoro raha rasy, dra ereo dra sy makato gny ray aman-dreniny. 31Ereo dra sy itokisa, sy misy fitiava viazagnahary, dra sy mamindra fo.32Hain'ereo reo gny lalan'Agnahary, fa reo ze manao raha manahaky anizay dra mendriky gny fahafatesa. Fa sy reo raha reo avo gny ataony, fa magneky reo hafa ze manao anireo koa.
Chapter 2

1Noho izay dra sy mana fela-signy hanao ze misara, fa ze isaranao gny hafa gny asiaha gny vatanao. Fa hanao ze misara dra manao reo avo koa. 2Nefa fatasika fa gny fisaran'Agnahary dra araky gny mary gny fa mezera amireo ze manao raha manahaky anireo zay.3Fa hevero zao, ry olo, hanao ze misara reo ze manao raha manahaky anireo na dre manao manahaky anireo koa aza hanao. Hisoaky gny fisaran'Agnahary ra hanao? 4Da hamevagninao gny harenigny hasoa-fagnahiny, gny fandeferany, dra gny faharetany? Sy fatasao ra fa gny hasoa-fagnahy dra natao hitariky anao amigny fibebaha?5Fa izay dra ho amigny halahbenigny hamafy vo sy fibebahanigny fondrareo gny anangonandrareo fahasiaha ho anigny vatandrareo amigny andro fahasiaha, izay dra gny andonigny fanehoa gny fisara marin'Agnahary. 6Hamaly gny olon'aby amigny fatra mitovy amireo nataony Izy: 7hagnome araky gny fahareta, gny asa soa mitalia dera, voninahisy, gny sy fahafatesa, fiegna mandrakizay izy.8Fa ho anireo ze mitalia ho anigny vatany, ze sy makato gny mary fa makato gny sy fahamarigna, dra ho avy gny fahasiaha vo gny fasy. 9Zagnahary dra hinday fahoria vo fahatra amigny fagnahiny gny olon'aby ze nanao rasy, amigny Jiosy aloha, dra amigny Grika avo koa.10Fa dera, laza, dra fedagna gny ho avy amireo ze manao gny soa, amigny Jiosy aloha, dra amigny Grika avo koa. 11Fa sy misy fengara miaraky amin'Agnahary. 12Fa ze nanota aby sy nana gny lalana dra ho levo sy mana lalana avo koa, dra ze nanoya niaraky tamigny fagnaza gny lalana dra ho sara araky gny lalana aby.13Fa sy reo pahare gny lalana gny mary eo agnatrehan'Agnahary, fa reo ze mapihasy gny lalana gny nihamarigny. 14Fa reo Jentilisa, ze sy mana gny lalana, gny fa manao gny raha mombanigny lalana araky gny voazagnahary, dra ereo gny lalana ho anigny vatany, na dre sy mana gny lalana aza ereo.15Amizay gny anehoan'ereo fa gny asa angatahinigny lalana dra voasorasy ao apon'ereo. Gny fieriseretan'ereo avo koa dra vavolombelo ho anereo, dra gny fisaignan'ereo manoka na dre masiaky na miaro anereo amigny vatan'ereo 16ko amin'Agnahary. Izay dra hitranga amigny andro ze hisaran'Agnahary reo sembaratelonigny olon'aby, araky gny filazasarako, amigny alalan'i Jesosy Krisy.17Fa Raha tao dra Jiosy gny hitokavanao gny vatanao dra miaky amigny lalana mirehareha ao amin'Agnahary,
19dra raha toa ka resy lahasy hanao fa gny vatanao dra pitariky gny poaky, fahazava ho anireo ze ao amigny mezy, 20pagnisy gny mola, mapianasy gny zaza, dra nagnanao ao amigny lalana gny endriky gny faheza vo gny mary, dra ino zay gny fiatraikan'izay amigny fomba hiegnanao gny fiegnanao?21Dra hanao ze mapianasy reo ilany, sy mapianasy gny vatanao ra hanao? Hanao ze mitory manohisy gny halasy, mangalasy ra hanao? 22Hanao ze mizaka fa sy tokony hizangazanga, mizangazanga ra hanao io? Hanao ze malaiky gny sapy, mandroa reo tepoly ra hanao io?23Hanao ze faly mirehareha ao amigny lalana, mangala-baraka an'Agnahary ra hanao amin'io fandikanao gny lalana io? 24Fa "gny agnaran'Agnahary dra fa afa-baraka teo amireo Jentilisa noho handrareo," araky anize fa voasorasy.25Fa mahazo tombony amigny fanapaha vatany handrareo raha toa dra makato gny lalana, fa raha mandika gny lalana handrareo, dra lasa sy voatapaky na dre fa voatapaky aza handrareo. 26Arak'izay, raha olo sy voatapaky gny mitandry ze takenigny lalana, sy hatao ho isanigny voatapaky ra izy na dre sy voatapaky aza? 27Dra sy ho helohinigny raiky ze sy mitapaky ara-boazagnahary ra handrareo raha toa ka mana gny lalana izy? Izay dra mana gny lalana voasorasy vo gny fanapaha handrareo, nefa bo mandika gny lalana.28Fa izy dra sy Jiosy amigny endriky ivelany avo; na amigny fanapaha ze miseho amigny endriky ivelanigny nofo avo. 29Fa izy dra Jiosy ao agnatiny, dra gny fanapaha ze anigny fo, ao amigny Fagnahy, fa sy ao amigny Sorasy. Gny fidera gny olo manahaky anizay dra sy avy amigny olo fa avy amin'Agnahary.
Chapter 3

1Dra ino seky zay gny tombo-soa anagnanigny Jiosy? Dra ino gny tombosoanigny fanapaha? 2Soa zay amigny fomba aby. Volohany indrindra, reo Jiosy dra nagnakigna gny fitalilia boaky amin'Agnahary.3Fa ino raha sy nana-pinoa reo Jiosy ilany? Gny sy finoan'ereo ra gny hahavy gny fahatokin'Agnahary sy ho tateraky? 4Sy hisy mihisy anie zay. Fa angao ho hita fa mary i Zagnahary, na dre mavandy aza gny olon'aby. Araky gny voasorasy ho: "Hasehoy amigny zakandrareo fa olo-mary handrareo, dra aseho gny fa avy amigny fisara handrareo."5Fa raha manahaky gny sy fahamarignasika gny maneho gny fahamarignan'Agnahary, ino gny azosika hozaka? Afaky mizaka ra isika fa sy mary zagnahary amigny famoahany gny siakiny amisika, sa sy zay? (mapiasa lahatenin'Olombelo zaho.) 6Sy hisy mihisy anie zay! Aokry amigny fomba akory seky gny hisaran'Agnahary an'izao totolo izao?7Fa raha tao gny fahamarignan'Agnahary dra magnome fidera maro ho anazy amigny lalanigny vandy, dra nagnino seky zaho gny bo sara ho panota?8Fa nagnino gny sy mizaka, araky gny tatisy diso ze zaka fa zakasika, araky gny fahamafisanigny ilany fa nizakasika ho: "Angao zahay hanao rasy, ba hevianigny soa"? Rariny gny fisara atao amin'ereo.9Ko ino seky? Magnome rariny gny vatasika ra isika? Sy izay mihisy. Fa isika dra fa nagnameloky gny JIosy vo gny Grika, izy aby, ho panota. 10Izay dra araky gny voasorasy ho: "Sy misy olo-mary, na dre raiky aza.11Sy misy na dre raiky aza mahafatasy. Sy misy na dre raiky aza mitalia an'Agnahary. 12Lasa nihataky avokoa ereo aby. Lasa sy misy taliava anazy ereo aby. Sy misy ba manao gny soa, sy misy na dre raiky aza.13Gny vozon'ereo dra lolo misokaky. Gny lelan'ereo dra mamitaky.Gny poizin'ireo bibilava dra ao ambaninigny molos'ereo. 14Gny vavan'ereo dra feno ozo vo olo-po.15Gny tombon'ereo dra havana amigny fandasahan'dio. 16Gny fanola vo gny fizalia dra egny amigny lalan'ereo. 17reo olo reo dra sy nahay gny lalanigny fidagna. 18Sy ba misy tahosy an'Agnahary eo anoloanigny mason'ereo."19Amizao dra fatasika fa na ino na ino zakanigny lalana, dra meatefa agny amireo ze ambany lalana. Izay dra ba hahavy gny vavanigny sirairay hangina, dra ba hahazo valiny boaky amin'Agnahary izao totolo izao. 20Izay dra sy hisy nofo hohamarigny amigny asanigny lalana eo amasony. Fa amigny alalanigny lalana gny hiavianigny fahalala gny fahota.21Fa amizao dra napahafatary avo koa gny fahamarignan'Agnahary sy amigny lalana. Niporofonigny lalana reo paminany, 22fa izay, gny fahamarignan'Agnahary amigny alalanigny finoa an'i Jesosy Kristy ho anize aby mino. Akory sy misy fagnavahy.23Fa nagnato gny olon'aby dra sy mana gny voninahin'Agnahary, 24dra ereo dra hamarigna maimaipoana amigny fahasoavany amigny alalanigny fagnavota ze ao amin'i Kristy Jesosy.25Fa i Zagnahary nagnome an'i Kristy Jesosy ho fagnatisy amigny alalanigny finoa gny liony. Natolony ho porofonigny fahamarignany Kristy, nohonigny sy fagnatiany gny ota taloha 26amigny faharetany. Nitranga izay aby zay ho fapisehoa gny fahamarigna amin'izao fotoa izao. Izay dra ba hafahany magnaporofo fa mary gny zakany, dra ba hanehoa fa izy dra magnamary gny olon'aby noho gny finoa an'I Jesosy.27Eza seky zay gny firenena? Voafafa zay. Fa ino gny atony? Amigny asa ra? Aha, fa nohonigny finoa. 28Manapa-kevisy zay isika fa gny olo raiky dra hamarigny araky gny finoa sy misy reo asanigny lalana.29Sa Zagnahariny gny Jiosy raiky avo ra gny Zagnahary? Moa ra sy Zagnaaharin'ireo Jentilisa koa Izy? Eny, anigny Jentilisa koa. 30Raha raiky vatany gny Zagnahary, dra hohamarigniny amigny finoa reo voatapakyreo, dra reo sy voatapaky koa amigny alalanigny finoa.31Foagnasika amigny alalanigny finoa seky ra zay gny lalana moa? Sy hisy mihisy anie izay! Fa koa ,makato gny lalana isika.
Chapter 4

1Ino seky gny ho zakasika fa hitan'i Abrahama, rasika taloha agny araky gny nofo sika? 2Fa raha nihamarigny tamigny asa i Abrahama, dra nana atony hirehareha izy, nefa sy eo agnatrehan'Agnahary. 3Fa ino gny zakanigny Sorasy Masy?" Abrahama dra nino an'Agnahary, dra nisay ho famatara anizay."4Dra ho anize miasa, gny karamany dra sy isahy ho fahasoava, fa hanahaky ze trosa. 5Fa ho anize sy miasa koa nefa mino anigny raiky ze magnamary gny panohisy an'Agnahary, dra isahy ho fahamarigna gny finoany.6Davida avo koa dra manogno so-drano amigny olo ze isahin'Agnahary ho mary nefa sy miasa. 7Hoy izy ho: "Sambasy reo ze voavela gny helony, dra reo ze voassaro gny fahotany. 8Sambasy ze sy hisahinigny Topo heloky."9Amireo voatapaky avo ragny hanognona anizay so-drano zay, sa amireo sy voatapaky koa? Fa hoy isika ho: "Gny finoa dra nisahin'i Abrahama ho fahamarigna." 10Ko ino seky gny nagnisahany anizay? Tamin'i Abrahama fa voatapaky, sa tamin'izy bo sy nitapaky? Sy tamin'izy fa voatapaky fa tamin'izy bo sy voatapaky.11Abrahama dra nitakasy gny famataranigny fanapaha. Izay dra mariky gny fahamarignanigny finoa ze fa nanagnany raha bo sy voatapaky izy. Gny valin'izay famatara zay dra lasa babanize mino aby izy, na dre bo sy voatapaky aza ereo. Midika izay fa gny fahamarigna dra ho isahy ho anereo. 12Nidika koa zay fa Abrahama dra lasa reninigny voatapaky sy ho anireo ze voatapaky avo koa fa ho anireo ze magnaraky gny lianigny finoan'i Abrahama babasika talohanigny sy bo naha-voatapaky anazy.13Fa gny fapanatena tamin'i Abrahama vo reo taranany fa ho pandova anizao totolo izao izy dra sy avy amigny alalanigny lalana fa avy amigny alalanigny fahamarignanigny finoa. 14Fa raha reo ze miay amigny lalana gny panova dra ho foa gny finoa, dra sinosino gny fapanatena. 15Akory gny lily dra minday amigny fahasiaha, fa agny amize sy misy lalana, dra sy misy fandika-dalana.16Noho izay atony izay dra misehy amigny finoa zay, ba hipetrahanigny fapanatena amigny fahasoava dra ho azo atoky amireo taranak'i Abrahama aby_ sy ho anireo ze ambaninigny lalana avo, fa ho anireo ze mizara gny finoan'i Abrahama avo koa. Rasika aby izy, 17araky gny voasoraky ho: "Nataoko ho ranigny firenena maro hanao." Teo amigny fagnatrehanigny nitokiany Abrahama, dra i Zagnahary zay, ze magnome fiegna reo maty dra mitoka reo raha sy misy.18Na dre teo aza reo raha mitranga ivelan, dra natoky tateraky an'Agnahary i Abrahama amigny ho avy. Dra lasa ranigny firenena maro izy, araky ze fa voalaza ho: "Hanahaky anizay gny taranakao." 19Sy narefo tamigny finoa izy. Fatas'i Abrahama fa sy afaky gny mana-gnanaky izy (akory fa teo amigny zato tao teo izy). Nagneky avo koa izy fa gny kibon'i Saraha dra sy afaky gny hibevoka sasy.20Nefa nohonigny fapanatenan'Agnahary, dra sy nisalasalla tamigny sy finoa i Abrahama. Fa niha-nahery tamigny finoa izy dra nidera an'Agnahary. 21Resy lahasy tateraky izy fa ze napanatenan'Agnahary dra afaky taterahiny avo koa. 22Noho izay dra nisay ho azy ho fahamarigna zay.23Dra sy nisoraty ho anigny tombosoany raiky avy zay, fa nisahy ho anazy zay. 24Nisoraty ho asika avo koa zay, ho anize hagnisaha anizay, isika ze mino anazy ze nanaga an'i Jesosyt Toposika tamigny maty. 25Izy gny raiky natolosy noho reo fahotasika dra nasanga ba hagnamary asika.
Chapter 5

1Akory nihamarigny tamigny finoa isika, dra mana fedagna miraky amin'Agnahary amigny alalanigny Toposika Jesosy Kristy. 2Amigny alalany avo koa gny anagnasika lala amigny finoa magnao amizay fahasoava ze izoroasika zay. Miravoravoa amigny fahatokia amen'Agnahary anay amigny ho avy zahay, fahatokia ze ho zarasika ao amigny voninahin'Agnahary.3Sy amizay avo, fa isika avo koa dra mifaly ao amigny fahoriasika. Fatasika fa gny fahoria dra mamokasy fahareta. 4Gny fahareta miteraky fakatoava, dra gny fakatoava mieteraky fahatokia ho amigny hoavy. 5Izay toky izay dra sy mandiso fanatena, akory gny fitiavan'Agnahary dra fa narosaky tao aposika tamigny alalanigny Fagnahy Masy, ze name asika.6Fa raha bo nalemy isika, dra maty ara-potoa ho anigny rasy fagnahy Kristy. 7Fa sarosy ho anigny olo gny ho maty ho anigny olo-mary. Fa, angamba mety misy olo raiky nahavany ho maty anigny olo soa.8Fa i Zagnahary maneho gny fitiavany manoka ho asika,a kory raha bo panota isika, dra maty ho asika Kristy. 9Mihoasy noho izay aza, amizao. Gny fa nihamarigny tamigny liony isika, dra ho voavozy zay amigny fahasiahan'Agnahary.10Fa raha bo fahavalo isika, dra nihava tamin'Aganahary tamigny alalanigny fahafatesanigny Zanany, dra mihoasy noho izya, gny fa avy napihavagny, dra ho voavozy amigny alalanigny ainy isika. 11Dra sy izay avo, fa isika koa dra mifaly ao amin'Agnahary amigny alalan'i Toposika Jesosy Kristy, ze nahazoasika anizay fihavana zay amizao.12Noho izay dra, manahaky gny niliranigny ota tamigny alalanigny ota. Dra gny fahafatesa dra nely tamigny olon'aby, akory niely tamigny olon'aby, akory samby nagnato avokoa gny olon'aby. 13Mandra-pisianigny lalana, dra teto amin'izao totolo izao gny ota, fa sy misy fanisa-keloky aby sy misy lalana.14Nefa na izay aza, gny fahafatesa dra nazaka nanomboky tamin'i Adama dra hatramin'i Mosesy, na dre reo amireo ze sy nanota manahaky gny sy fakatoavan'i Adama aza, ze tandindonigny ho avy. 15Nefa na izay aza, gny fagnomeza dra sy manahaky gny fahadisoa. Fa raha tamigny alalanigny fahadisoanigny raiky gny nahafaty gny maro, dra mihoasy lavisy gny nataonigny fahasoavan'Agnahary vo gny fagnomeza avy amigny fahasoavanigny olo ray, Jesosy Kristy, name maro ho anigny maro.16Fa gny fagnomeza dra sy manahaky gny vahoaky boaky amigny raiky ze nanota. Fa amigny lafiny raiky, avy gny fisara ho fagnameloha nohonigny fahadisonigny olo raiky. Fa amigny lafiny raiky hafa, gny fagnomeza sihita amigny fahadisoa maro. 17Fa raha tamigny alalanigny fahadisoanigny raiky, gny hazakanigny fahafatesa amigny raiky, dra mihoasy lavisy noho izay gny hazakan'ireo ze mitakasy gny habenigny fahasoava vo gny fagnomezanigny fahamarigna amigny alalanigny fiegnanigny raiky, dra Jesosy Kristy.18Noho izay dra, akory tamigny alalanigny fahadisoanigny raiky gny nahavy gny olo ho amigny fagnameloha, dra amigny alalanigny asanigny fahamarignanigny raiky avo koa gny hahavianigny fahamarigna gny fiegna ho anigny olon'aby. 19Fa avy amigny sy fakatoavanigny olo raiky gny nahavy gny maro ho panota, dra amigny alalanigny fakatoavanigny raiky avo koa gny hahavy gny maro ho mary.20Fa avy tao amizay gny lalana, ba ho lahibe gny fahadisoa. Nefa raha nihalahibe gny fahota, dra vo maiky nihalahibe gny fahasoava. 21Nitranga izay ba, mahaky gny nazakanigny fahota tamigny fahafatesa, dra manahaky anizay koa gny hazakanigny fahasoava amigny alalanigny fahamarigna ho amigny fiegna mandrakizay amigny alalan'i Jesosy Kristy Toposika.
Chapter 6

1Ino seky gny ho zakasika? Tokony hanohy amigny fahota ra sika ba hitomboanigny fahasoava moa? 2Sy hisy mihisy anie zay. Isika ze maty gny amigny ota, amigny fomba akory moa gny bo hiaignasika amizay avo? 3Sy fatandrareo ra fa reo natao batisa aby tao amin'i Kristy Jesosy dra natao batisa tao amigny fahafatesany?4Ko, voalevy, niaraky taminazy tamigny alalanigny batisa ho amigny fahafatesa sika. Nitranga zay ba hanahaky gny nanangana an'i Kristy tamigny maty tamigny voninahisy amigny fiegnam-baovao avo koa. 5Fa raha mikamba Aminazy amigny endriky gny fahafatesa isika, dra hikamba amigny fisanganany avo koa.6Fatasika izay, fa gny vatasika taloha dra nifasihy niaraky taminazy, ba hamoteha gny vatanigny ota. Nitranga zay ba ho sy handevozinigny ota sasy isika. 7Izy maty dra zinaka fa mary sady afaky amigny fahota sika.8Fa raha maty niaraky tamin'i Kristy isika, dra mino ,fa hiara-belo aminazy avo koa. 9Isika dra mahafatasy fa nisanga tamigny maty Kristy, dra sy maty sasy Izy. Sy mazaka aminazy say gny fahafatesa.10Fa raha momba gny fahafatesa dra maty nohonigny amigny fahota Izy, maty ndray mandeha ho anigny olon'aby Izy. Kanefa gny fiegna ze hiegna dra iegnanay ho an'Aagnahary. 11Dra manahaky anizay, sy maisy mihevisy gny vatandrareo ho fa maty amigny fahota avo koa handrareo, fa velo ho an'Agnahary ao amin'i Kristy Jesosy.12Noho izay ka anga hazaka ao amigny vatandrareo mety maty gny ota ba hagnarahandrareo gny filan-drasy. 13Ka atolosy ho anigny fahota gny rasam-batandarreo, ho fitova apesa amigny sy fahamarigna. Fa atolory ho an'Agnahary gny vatandrareo, manahaky gny nisanganany tamigny maty ho velo amizao. Dra atolory ho an'Agnahary gny rasam-batandrareo ba ho fitova apesa amigny fahamarigna. 14Ka anga hazaka amindrareo gny ota. Akory sy ambaninigny lalana handrareo, fa amboninigny fahasoava.15Dra ino seky? Tokony hanota ra isika akory ambaninigny lalana, fa ambaninigny fahasoava ? Sy hisy mihisy anie zay. 16Sy fatandrareo ra fa gny raiky ze anolorandrareo gny vatandrareo ho panopo dra gny raiky ze hakatoavindrareo, gny hany sy maisy hakatoavindrareo? Maryu zay agny aponigny fahota ze mitariky agny amigny fahafatesa handrareo, na panoponigny fakatoava ze mitariky agny amigny fahamarigna.17Fa isaora i Zagnahary! Akory fa panoponigny fahota handrareo, kanefa nakato tao apondrareo gny fomba fapenara ze nagnome andrareo. 18Nafahy tamigny ota handrareo, dra natao panoponigny fahamarigna.19Mizaka manahaky gny olo zaho noho gny fahalemenigny nofondrareo. Akory vatany vo nanolosy gny rasam-batandrareo ho andevonigny fahota vo gny rasy handrareo, dra manahaky anizay koa izao, atolosy ho andevonigny fahamarigna ho amigny fahamasigna gny rasam-batandrareo. 20Fa gny handrareo andevozinigny ota, dra afaky tamigny fahamarigna. 21Main'izao ino seky gny vokasy azondrareo tamigny raha mahamegnasy andrareo amizao? Akory gny vokasy reo raha reo dra gny fahafatesa.22Fa amizao gny fa nafahy tamigny ota handrareo dra lasa panopon'Agnahary, dra miziza gny fahamasigna. Gny vokasy dra gny fiegna mandrakizay. 23Fa gny tambinigny ota dra fahafatesa, fa gny fagnomezan'Agnahary koa dra gny fiegna mandrakizay ao amin'i Kristy Jesosy Toposika.
Chapter 7

1Sa sy fatandreo ry rahalahy (akory mizaka amigny olo mahay gny momba gny lalana zaho), fa gny lalana dra mibaiko gny olo raiky raha bo velo koa izy?2Fa gny apela ze manambaly dra voafehiny gny lalana amigny valiny raha bo velo izy, fa raha mty gny valiny, dra afaky amigny lalanigny fanambalia izy. 3Noho izay, raha bo velo gny valiny, raha toa ka miray amina lelahy hafa izy, dra hatao ho pizangazanga izy. Fa raha maty gny valiny dra afaky amigny lalana izy, dra sy pizangazanga izy raha miaraky amina lehahy hafa.4Noho izay, ry rahalahiko, dra natao maty tamigny lalana avo koa handrareo tamigny lalanigny zakan'i Kristy. Natao zay ba hikambagnandrareo amigny hafa, izany hoe, amin"iza nasanga tamigny maty, ba hafahasika mamokasy voa ho an'Agnahary. 5Fa tamisika tai amigny nofo, reo filanigny fahota, ze nihesehinigny lalana, dra niasa tao amireo rasasika ba hamokasy voa ho anigny fahafatesa.6Fa amizao dra nafaha tamigny lalana isika. Maty tamigny namehy asika isika. Izay dra ba hafahasika manopo amigny havoaza-pagnahy, fa sy amigny fahateranigny sorasy.7Ino seky gny ho zakasika? Gny lalana mihisy ra gny fahota? Sy hisy mihisy anie izay. Kanefa, sy ho nahay gny fahota mihisy zaho, raha sy tamigny alalanigny lalana zay. Fa sy ho nahay gny fisiririta zaho raha sy nizaka gny lalana ho: "Ka misiririsy." 8Fa nangalaky vaha tamigny lily gny fahota dra nahavy gny fisiririta aminahy ato aby. Fa raha sy misy gny lalana, dra maty gny ota.9Faela zaho dra velo sy nisy gny lalana, fa gny fa avy gny lily, dra velo ndraiky gny ota, dra maty zaho. 10Gny lily ze tokony hinday fiegna gny nivaliky ho fahafatesa ho anahy.11Fa gny fahota dra fotosy tamigny lalanigny lily dra namitaky anahy. Tamigny alalanigny lily gny namono anahy. 12Noho izay gny lalana dra masy vo gny lily dra masy, mary, vo soa.13Moa ra nivaliky fahafatesa ho anahy ze soa? Sy hisy mihisy anie izay. Fagny ota, ba hafahany hiseho ho fahota amigny alalanize soa, dra ninday fahafatesa aminahy ao. Izay dra ba ho amigny alalanigny lily, gny fahota dra mety ho lasa tena fahota vatany. 14Fa fatasika fa ara-pagnahy gny lalana, fa izaho boaky amigny nofo. Fa navily ho ao ambaninigny fanandevozanigny ota zaho.15Fa gny raha ataoko, dra sy tena azoko soa. Akory tiako atao, dra sy ataoko, dra ze halako, dra ataoko. 16Fa raha manao ze sy tiako zaho, dra miray hevisy amigny lalana fa soa gny lalana.17Fa amizao dra sy izaho sasy gny manao anizao, fa gny fahota ze velo aminahy ato. 18Fa fataso fa aminahy ato, ze ato amigny nofoko, dra sy misy raha soa miay. Fa gny fagniria gny soa dra aminahy ato, feseky sy afa-manao anizay zaho.19Fa gny soa ze tiako dra sy ataoko, fa gny rasy ze sy tiako, gny ataoko. 20Dra raha manao anize sy tiako atao zaho, dra sy izaho sasy gny miasa anizay, fa gny fahota ze miay aminahy ato. 21Izaho dra nahita, gny fisipiky aminahy ato fa te hanao soa zaho, feseky gny rasy gny aminahy ato amizao.22Fa miravoravo ao amigny lalan'Agnahary zahoamigny fagnahy maha olo. 23Kanefa mahita fisipiky raiky hafa ao amigny momba gny vatako zaho. Izay dra mitalia aminizay fisipiki vaovao ao asaiko zay. Mita anahy ho babonigny fisipiky gny fahota ze ao amigny momba gny vatako zay.24Olo-mahatra zaho! Iza gny hagnafaky anahy amity vatanigny fahafatesa tihoky? 25Fa isaora i Zagnahary amigny alalan'i Jesosy Kristy Toposika! Noho izay, izaho dra manopo gny lalan'Agnahary amigny saiko. Na dre izay aza, dra manopo gny fisipikigny fahota amigny nofo zaho.
Chapter 8

1noho izay dra sy misy fagnameloha sasy amizao ho anireo ze ao amin'i Kristy Jesosy. 2Fa gny Fisipikigny Fagnahinygny fiegna ao amin'i Jesosy Kristy gny nagnafaky anahy tamigny fisipikigny fahota vo gny fahafatesa.3Fa ze sy afaky nataonigny lala nohonigny fahalemen'izay tamigny nofo, dra nataon'Agnahary. Nandefa gny zanadahiny Izy tamigny endriky gny nofo feno fahota ba ho fagnatisy ho anigny ota, dra nasiaky gny ota tao amigny nofo izy. 4Nataony izay ba ho tateraky ao amisika gny raha takinigny lalana, isika ze mandeha sy araky gny nofo, fa araky gny Fagnahy,. 5Reo ze miay araky gny nofo dra mafatoky amireo araky gny Fagnahay dra mifatoky amireo rahanigny Fagnahy.6Akory gny fisaigna miory amigny nofo dra fahafatesa, fa gny fisaigna miory amigny Fagnahy koa dra fiegna vo fedagna. 7Gny fisaigna miory amigny nofo dra fandrafia eo agnatrehan'Agnahary, fa sy mifagnaraky amigny lalan'Agnahary izay, vo sy hainy akory gny manao anizay. 8Reo ze ao amigny nofo dra sy afaky gny ho akasitrahan'Agnahary.9Kanefa, handrareo dra sy ao amigny nofo fa ao amigny Fagnahy, raha mary fa miay ao amindrareo gny Fagnahin'Agnahary. Fa raha misy olo sy mana gny Fagnahin'i Kristy, dra sy anazy izy. 10Raha ao amindrareo Kristy, dra maty nohonigny fahota gny vatany, fa gny fagnahy dra velo nohonigny fahamarigna.11Raha gny Fagnahinigny nanaga an'i Jesosy tamigny maty gny velo ao amindrareo, dra Izy ze nananga an'i Kristy tamigny maty gny hagnome fiegna avo koa ho anigny vatandrareo ze mety maty amigny lalanigny Fagnahiny, ze velo ao amindrareo.12Noho izay ry rahalahy, dra pitrosa isika, fa sy ao amigny nofo ba hiay araky gny nofo. 13Fa raha magniraky araky gny nofo handrareo, dra ho maty, fa raha amigny Fagnahy ze amonoandrareo gny asanigny vata, dra ho velo handrareo.14Fa manahaky gny olo aby voatariky gny Fagnahin'Agnahary, ereo gny zanan'Agnahary. 15Fa sy mitakasy gny fagnahinigny fagnandevoza ndraiky handrareo dra hatahosy. Fa nitakasy gny fagnahinigny fahangana-zaza handrareo, ze hitokatokavasika ho: "Aba, Ray o!"16Gny Fagnahy Mihisy gny vavolombelo amigny fagnahisika fa zanan'Agnahary isika. 17Raha zanaka isika, dra pandova avo koa, pandova an'Agnahary. Dra piray lova ao amin'i Kristy isika, raha tena mizaly miaraky aminazy toa isika dra amem-bininahisy miaraky Aminazy koa.18Fa ataoko fa reo fizalia amin'Izao fotoa izao dra sy mendriky apitaha amigny voninahisy ze haseho amisika. 19Fa gny voahary aby ze manatena fatrasy dra mandigny gny fapisehoa fatrasy dra mandign gny fapisehoa reo zanan'Agnahary20Fa gny voahary dra natao ho zava-poa sy nohonigny sitrapony manoka, fa noho gny nanao anizay. Izay dra ao amigny toky nameny 21fa reo voahary mihisy gny hala amigny fagnandevozanigny fahalova, dra hinday amigny fahafaha gny amigny voninahisy gny zanan'Agnahary zay. 22Fa fatasika fa gny voahary aby dra miara-miseho vo miara-miasa ao agnatinigny fanitaigna na amizao aza.23Sy izay avo, fa na gny vatasika aza, ze mana gny voaloham-bokasy gny Fagnahy_na gny vatasika aza dra miseho ao amisika, mandigny gny fanangana ao amisika ho zanaky, dra gny fagnavota gny vatasika. 24Fa tamizay toky izay gny namozena asika. Fa ze atokisasika fa hitranga dra bo sy hita, fa iza gny mandigny apatokia ze fa hitany? 25Fa raha matoky amizay bo sy hitasika isika, dra mandigny anizay apahareta.26Manahaky anizay koa, gny Fagnahy dra magnapy ao amigny fahalemesika. Fa isika sy mahay ze vavaky tokony hataosika, fa gny Fagnahy mihisy gny mifona ho asika amigny fisetoa sy hay zaka. 27Izy mandiniky gny fo gny mahafatasy gny hevisy gny Fagnahy. akory Izy gny mifona ho anigny pino araky gny sitrapon'Agnahary.28Fatasika fa ho anireo ze tia an'Agnahry, dra miaraky apesany ho amigny soa avokoa gny raha aby, ([Fagnamariha: raha tokony ho: "Miaraky apiasany ho amigny soa avokoa gny raha aby," dra gny dika-zaka ilany taloha manao anizahoky ho: "Gny raha aby dra miaraky miasa ho amigny soa."]) ho anireo ze voatoka araky gny fandaharany. 29Akory reo ze fatany meloha, dra nitendreny mieloha avo koa ba hitovy endriky amigny zanany, ba ho lahimatoa eo agnevon'ireo rahalahy maro izy. 30Reo ze nitendreny meloha, dra natao avo koa. Reo ze natao, dra nihamarigniny avo koa. Reo ze nihararigniny, dra nameny voninahisy avo koa.31Ino sekygny tokony ho zakasika momba reo raha reo? Raha momba asika i Zagnahary, Iza gny mahatohasy asika? 32Izy ze sy niaro gny Zanadahiny toka fa nanolosy anazy ho asika aby, ino gny hagnomezany asika maimaipoana miaraky aminazy gny raha aby koa.33Iza gny hinday fiapanga hanohisy reo olom-boafilin'Agnahary reo? Zagnahary gny raiky magnary anizay. 34Iza gny raiky hasiahako? Krusty gny raiky maty ho asika, dra mihiasy mihoasy anizay, nasanga avo koa Izy. Manapaky miaraky amin'Agnahary eo amigny pisy voninahisy Izy, dra Izy gny mifona ho asika.35Iza gny hagnasaraky asika amigny fitiavan'i Kristy? Fahoria, sa fizalia, sa fagnezeha, sa haresia, sa fitazaha, sa loza, sa sabasy? 36Araky gny voasorasy ho: "Noho hanao dra vaovao andro lava zahay. Nitakariny manahaky gny agnondry ho vono zahay.37Ao agnatin'izay raha aby zay dra mihoasy noho gny pandresy zahay amigny alalanigny raiky tia anay. 38Fa resy lahasy zaho fa na gny fahafatesa, na gny fiegna , na reo azely, na reo fazaka, na reo raha amizao, na reo raha hoavy, na reo hery, 39na gny avo, na gny laliky, na zavaboahary hafa, dra sy hahasaraky asika amigny fitiavan'Agnahary, ze ao amin'i Kristy Jesosy Toposika.
Chapter 9

1Mizaka gny mary ao amin'i Kristy zaho. Sy mavandy zaho, dra gny eriseriso gny vavolombelo miaraky aminahy ao amigny Fagnahy Masy, 2fa honahy dra misy alahelo lahibe dra fahoria sy misahasy ato apoko.3Fa afaky nagniraky zaho fa izaho dra ho voaozo dra hiataky amin'i Kristy noho gny amireo rahalahiko, raiky ze fizara aminahy araky gny nofo. 4Izy reo dra Israelita. Izy reo dra mana fanangana, gny voninahisy, reo fakatoavany, gny fagnomezanigny lalan, gny fidera an'Agnahary, dra reo faoanatena. 5Gny anereo dra raza ze nahavy an'i Kristy ho lasa nofo, Izy ze Zagnahary agnabonigny aby. Ho dera mandrakizay anie Izy. Amena.6Fa sy foa reo ze napanatenan'i Zagnahary. Fa sy ze avy amin'i Israely gny tena anIsraely. 7Na reo taranak'i Abrahama aby gny tena zanany. Fa: "Amigny alalan'Isaka gny hitokava anireo tateraky."8Izany hoe, zanaky gny nofo dra sy zanan'Agnahary. Fa reo zanakigny fapanatena gny takary ho taranaky,9Fa manahaky anizao gny zakanigny fapanatena: "Amin'izay fotoa zay dra ho avy zaho, vo hagnome zanadahy an'i Saraha."10Sy izay avo, fa boak'eo koa Bebeka hanagnanaky amigny lelahy amin'i Isaka rasika_11fa bo sy teraky aza reo zaza reo dra bo sy nanao zaraha soa na rasy, ba hanahaky tazon'Agnahary araky gny fisafisiana, sy noho reo asa, fa noho Izy mitoka_ 12zinaka tamin-drapela ho: "Gny zokiny dra hanopo gny zaikny." 13Izay dra manahaky gny fa voasorasy ho. "Jakoba tiako, fa Esao halako."14Ino seky gny ho zakasika? Misy sy fahamarigna ra miaraky amin'Agnahary? 15Sy hisy mihisy anie zay. Fa hoy Izy tamin'i Mosesy ho: "Hamindra fo amize tiako hamindra fo zaho, dra hangoraky reo ze tiako hangoraha zaho." 16Noho izay dra sy noho izy mikaea anizay, na noho izy ze mihazakazaky, fa noho i Zagnahary, ze napiseho gny famin-drapo.17Fa gny Sorasy Masy nizaka tamin'i Farao fa: "Fa noho izay atony izay gny nanandratako anao, ba hanehoako aminao gny heriko, dra ba hitaliliako gny agnarako era-tany." 18Noho izay, i Zagnahary dra mamindra fo amize tiany, dra ze tiany, gny ho hamafininy fo.19Boak'eo hizaka aminahy handrareo ho: "Nagnino gny bo mahita signy avo Izy?" Fa iza gny mahatohisy gny sitrapony?" 20Mifanohisy amizay, ralelahy, iza moa hanao gny mamaly manohisy an'Agnahary" Moa ze fa nivolavola hizaka amigny pamolavola anizay ho: "Nagnino gny nataonao manahaky anizao zaho?" 21Moa gny panefy vilagny sy mana zo amigny tanimanga dra gny vonga raiky avo gny hamboara pisy gny raiky hafa amigny andavanandro?22Nagnino raha i Zagnahary, tehapiseho gny fahasiahany vo hapahafatara gny fahefany, gny niarasy tami-pahareta reo fitoeranigny fahasiaha nomany ho amigny fahasona? 23Nagnino raha nataony zay ba hapahafatarany gny harenanigny voninahisy eo amireo fitoeranigny famindra-po, ze fa nomaniny meloha ho amigny voninahisy? 24Nagnino raha nataony ho asika koa zay, zay fa nataony avo koa, sy ho eo amigny samy Jiosy avo, fa ho eo amigny Jentilisa avo koa?25Araky ze nizakany tao amin'i Hosea avo koa ho: "Hotokaviko ho oloko ze sy oloko, dra ho malalany gny sy malala. 26Boak'eo dra agny amize nizaka tamin'ereo ho: 'Sy oloko handrareo,' agny gny hitokava anereo ho: 'zanan'Agnahary velo."27Isaia nitoka fatrasy gny amigny Israely ho: "Raha manahaky gny fasy egny amoron-dranomasy gny isanigny zanak"israely, dra ho voavozy ze sisa ambiny, 28fa gny Topo hinday gny zakany eto atany feno dra sy ho ela." 29Araky gny nizakan'Isaia meloha ho:" Raha gny Topo toponigny maro gny sy nagnenga taranaky ho asika, dra hanahaky an'i Sodoma isika, dra ho lasa manahaky an'i Gomora."30Ino seky gny zakasika? Fa reo Jentilisa, se sy nitalia gny fahamarigna, gny nahazo gny fahamarigna, ze fahamarigna avy tamigny finoa. 31Fa Israely, ze nitalia gny lalanigny fahamarigna dra sy avy tamizay.32Nagnino moa? Fa aokry ereo sy nitalia anizay tamigny finoa, fa tamigny asa. Tafitohinigny vatonigny fanafitohigna ereo, 33araky ze fa voasorasy ho: "Atio, a Ziona ao gny anobiako gny vatonigny fanafitohigna vo vatolampinigny fandikan-dalana. Ze mino anizay dra sy ho magnasy."
Chapter 10

1Ry rahalahiko, gny irinigny foko vo gny angatahiko amin'Agnahary ho anereo, dra gny famoze anereo. 2Fa mizoro vavolombelo momba anereo zaho fa mafana fo ho an'Agnahary ereo, nefa sy araky gny fahalala. 3Fa sy mahafatasy gny fahamarignan'Agnahary reo, dra mitalia hametraky gny fahamarigna'ereo manoka. Sy magneky gny fahamarignan'Agnahary izy reo.4Fa Kristy gny fahataterahanigny lala ho fahamarigna ho anize aby mino. 5Fa i MOsesy manorasy mombanigny fahamarigna ze avy amigny lala ho: "Gny olo ze manao gny fahamarignanigny lalana dra hiay amizay fahamarigna zay."6Fa gny fahamarigna ze avy amigny finoa dra mizaka ho: "Ka mizaka anizao ao apo ho: 'Iza gny hiakasy andagnisy agny?' (izay dra mapizoro an'i Kristy); 7dra ka mizaka ho: 'Iza gny hizoso agny amigny laliky?"' (izay dra, mapiakasy an'i Kristy amigny maty).8Fa ino gny ambaran'izay? "Eo agnilanao gny zaka, ao ambavanao dra ao aponao." Izay gny zakanigny finoa, ze zakany. 9Fa raha amigny vavanao gny agnekenao an'i Jesosy ho Topo. Fa raha amigny vavanao gny agnekenao an'i Jesosy ho Topo, dra mino amigny maty izy, dra ho voze hanao. 10Fa amigny fo gny inoanigny olo gny fahamarigna, dra amigny vava gny agneke gny famozena.11fa hoy gny Sorasy Masy ho: "Sy ho megnasy ze mino anazy aby izy." 12Fa sy misy fahasamihafana eo amigny Jiosy vo gny Grika. Fa Topo raiky avo gny Toponigny maro, dra hare-pahasoava ho anize mitoka anazy aby izy. 13Fa ze mitoka gny agnaranigny Topo gny ho voze.14Ino seky gny ahafahan'ereo mitoka anazy ze sy mino? Ino gny ahafahan'ereo mino anazy sy ren'ereo? Ino gny afahan'ereo miteno raha sy misy pitory? 15Dra ino gny ahafahan'ereo mitory, raha sy nisy nagniraky? _ araky gny voasorasy ho: "Atio gny fahasoavanigny tombon'ireo mitalily reo raha soanigny filazasara!"16Kanefa sy izy aby gny hiteno gny filazasara. Fa hoy Isaia ho: "Topo, iza gny nino hafasanay?" 17Noho izay gny finoa dra avy amigny fihainoa, dra gny fitenoa boaky amigny zakan'i Kristy.18Fa hoy zaho ho: "Moa ra sy nisy nahare ereo?" Eh, tena mary zay. "Gny feon'ereo dra fa niboaky manera-tany, dra gny zakan'ereo hatragny amigny faran'izao totolo izao."19Akoasy ze, hoy zaho ho: "Moa ra sy nahafatasa gny Israely?" Tamigny volohany Mosesy nizaka ho: "Hataoko saropiaro amize sy firenena akory handrareo, hataoko avy amigny fahasiaha handrareo.20Boak'eo tena nahavany vatany Isaia gny fa nizaka izy ho: "Hitandrareo ze sy nialy anahy zaho. Niseho tamireo ze sy nagnotany anahy zaho." 21Fa hoy izy tamin'Israely ho: "Totolonigny gny nangala gny vatako tamigny olo sy makato vo milisy."
Chapter 11

1Dra nizaka zaho, narian'Agnahary ra gny olo? Sagnatria anie zay. Fa izaho avo koa dra Israelita, taranak'i Abrahama, avy amigny fokon'i Benjamina. 2Zagnahary dra sy nagnary gny olony, ze fa fatany taloha. Sy fatasao ra ze voazakanigny Sorasy Masy momba an'i Elia, dra gny fitaregnany tamin'Agnahary namely an'Israely? ho: 3Topo, ereo dra nagnome reo paminaninao, namotiky gny alitaranao. Izaho raiky sisa tavela, dra mifofo gny aiko ereo."4Fa ino gny vali-teny zinakan'Agnahary anazy? "Nanoka fito arivo lahy ho anigny vatako zaho ze sy nandohaliky teo amigny Bala." 5Dra manahaky anizay, gny amin'izao dra misy sisa avo nohonigny fisafidiana amigny fahasoava.6Fa raha avy amigny fahasoava zay, dra sy avy amigny asa sasy. Fa raha izay dra sy fahasoava sasy gny fahasoava. ([Fagnamariha: Gny atota-taratasy ilany taloha dra mamaky ho: "Kanefa raha boaky amireo asa zay, dra sy fahasoava sasy; fa raha izay dra sy asa sasy gny asa."]) 7Ino tiky? Gny raha ze nitaliavin'Israely, dra sy azony, fa gny voafily gny nahazo anizay, dra nihamafisy reo ambiny. 8Izay dra araky gny fa voasorasy ho: "Zagnahary dra nagnome anereo gny fagnahinigny fitavozavoza, maso ba sy hahitan'ereo, dra sofy ba sy hahare an'ereo, mandrak'androany."9Dra hoy i Davida ho: "Aoky gny latabany ho harato vo fandriky, ho vato mandavo vo valifaty ho anereo. 10Aoky gny mason'ereo hohamezigny ba sy hahita, dra aoky hiondriky mandrakizay gny lamosin'ereo."11Dra hoy zaho ho: "Moa ra tafatohy reo ba ho lavo?" Sagnatria anie zay. Fa avy amigny fahalavoan'ereo, gny nahavianigny fameze teo amireo Jentilisa, ba hapialogna anereo. 12Dra raha gny falavaan'ny ereo gny harinizaho totolo izy, vo raha gny fahalevognany ereo gny harenereo zatilisa, dra manao ahoany gny halahibeny fahataterafanizaho ereo?13Faaminiza dra nirehaky amignareo zatilisa zaho, vo raha mbola aposta-lin'ereozetilisa zaho,dra makasitraky gny fanompoako. 14Vasa hampialona ereo izy avo amigny fotoko manoko manokana zaho. Vasa hamozy gny sasany amignizaho ereo isika.
16Raha voatoka gny votrasy volohany dra gny ampahany amigny kobam-bary koa. raha voatika gny fagaalany, dra toy izaho avo gny ereo rantsany.17Fa raha nitapahiny gny rasa ilany, dra raha hanao, sapan'Olivadia, gny natambasy teo amin'ereo, dra raha nifapizara tamin'ereo gny faka-mamokasy gny hazo Oliva hanao, 18ka mirehareha hanao, dra sy hanao gny minday gny fakany, fa gny fakany gny minday anao.19Dra hizaka hanao ho: "Nitapahy hiala reo rasa ba hafahako mifandray aminazy." 20Mary zay. Nohonigny sy finoan'ereo dra nitapahiny hiala ereo, fa handrareo dra mizoro soa nohonigny finoandrareo. Ka manao gny vatanao ho agnabo, fa matahora. 21Fa raha gny tena sampany aza sy nangan'Agnahary, dra sy ho angany avo koa hanao.22Dra, Atio, gny fahamora-po vo gny fahasora-pon'Agnahary. Andagniny eo gny fahasaro-po dra avy amireo Jiosy ze lavo. Fa akilany koa, gny hasara-pagnahin'Agnahary dra avy amindrareo, raha maharisy ao amignyhasoa-fagnihiny handrareo. Fa raha sy izay dra ho tapahy koa handrareo.23Na dre reo aza, raha sy manohy amigny sy finoany ereo, dra hatambasy. Fa Zagnahary dra afaky magnery mitalily anereo ndraiky. 24Fa raha nitapahy tamigny hazo oliva-dra handrareo, dra natambasy tamigny hazo Oliva soa, dra manahaky gny akory gny fohoranigny hamaron'ireo Jiosy, ze sapa voazagnahary, natambasy tamigny hazo Olivan'ereo manoka?25Fa sy tiako sy hahafatasy handrareo, ry rahalahy, gny amin'izay raha mivony zay, ba sy haha-hendry andrareo amigny eriserisao manoka. Izay raha mivony zay dra fa napaheriloha gny apahany amin'Israely, mandra-piavinigny fahafenoan'ireo Jentilisa.26Noho izay dra ho voze avokoa gny Israely aby, araky gny voasorasy ho: "Hiboaky boaky a Ziona agny gny pagnafaky. Mangalaky gny harasia-pagnahy amin'i Jakoba Izy, 27dra izay gny ho fagneke-pihavagna amin'ereo, gny fa hangalaky gny fahotan'ereo Zaho."28Amigny lafiny raiky mahakasiky gny filazasara, dra fahavalo ereo nohonigny amindrareo. Amigny lafiny raiky hafa araky gny safidin'Agnahary, dra malala ereo noho reo raza. 29Fa reo fagnomeza vo tokavin'Agnahary dra sy miova.30Fa handrareo dra sy nakato an'Agnahary faela, kanefa amizao handrareo dra nitakasy gny famindra-po nohonigny sy fakatoavan'ereo. 31Manahaky anizay koa, amizao reo Jiosy dra sy nakato. Gny vokany dra tamigny alalanigny famindra-po ze naseho andrareo gny mety handresan'ereo gny famindra-po avo koa amizao. 32Fa i Zagnahary fa nagnily gny sy fakatoava aby, ba afahany mapiseho famindra-po amigny olon'aby.33Endrey, gny halanigny rei harenigny fahendrena vo fahalalan'Agnahary! Sy takasy gny saina reo fisarany, dra reo lalany dra sy hay refesy! 34"Fa iza gny nahay gny fihevisy gny Topo na iza gny lasa ho panolo-say anazy?35Na iza gny nagnome raha anigny zagnahary aloha, dra sy maisy hanoheran'Agnahary anazy ndray?"36Fa avy aminazy vo amigny alalany dra hoanazy gny raha aby. Ho anazy mandrakariva gny voninahisy. amena.
Chapter 12

1Mangataky andrareo zaho noho izay, ry rahalahy, noho reo famindra-pon'Agnahary, ba hanolosy gny vatandrareo ho soro velo, masy,eken'Agnahary. Izay gny fanopoandrareo araky gny tokony ho izy. 2Ka mitovy amin'izao totolo izao, fa miova amigny fanova gny saindrareo. Atovy izao ba ho fatandrareo zay soa, azo eke, dra gny sitrapo lafas'Agnahary.3Fa zakako, nohonigny fahasoava ze name anahy, gny sy tokony hanagnanigny maro ze eo amindrareo eriserisy hagnambony gny vatany mihoasy ze tokony ho eriseretiny. Fa tokony hieriserisy apahendrena ereo, manahaky gny nagnomezan'Agnahary fatra-pinoa gny olon'aby.4Fa mana rasa maro amigny vatasika isika, kanefa sy mitovy avokoa gny asan'ireo rasana reo. 5Mitovy amizay, isika maro be dra raha raiky avo ao amin'i Kristy, dra rasana manoka amigny sirairay.6Mana fagnomeza-pahasoava samby hafa isika araky gny fahasoava nameny asika. Raha faminania gny fagnomeza-pahasoavanigny raiky, dra aoky atao araky gny habenigny finoany. 7Raha fanopoa gny fagnomeza-pahasoavanigny raiky, dra aoky izy hanopo. Raha nisy raiky nahazo fagnomeza-pahasoava hapianasy, aoky izy hapianasy. 8Raha fapahereza gny fagnomeza-pahasoavanigny raiky, aoky izy hapahery. Raha hagnome gny fagnomeza-pahasoavanigny raiky, aoky izy hanao anizay ami-pahalala-tagna. Raha hitariky gny fagnomeza-pahasoavanigny raiky, aoky zay ho vita apitandrema. Raha haneho fangoraha-po gny fagnomeza-pahasoavanigny raiky, aoky zay ho vita apiravoravoa.9Aoky gny fitiava sy hisy fihasaram-belasihy. Halagno gny rasy; hazogny fatrasy gny soa. 10Raha gny momba gny fitiavanigny pirahalahy, mifakatiava handrareo aby. Raha gny momba gny fagnomezam-boninahisy, mifagnaza.11Raha gny momba gny fikiriza, ka misalasala. Raha gny momba gny Fagnahy, aoky hafana fo. Momba gny Topo, topoy Izy. 12Mifalia ao amigny fahatokia ze hanagnanao momba gny ho avy. Mahareta amireo olonao. Mivavaha hatragny. 13Mifapizara amize taliavinigny pino. Mitaliava fomba maro hapiatragnoanao olo.14Misora reo ze magneziky anao; misora dra ka magnozo. 15Miaraha-faly amireo ze mifaly; miaraha-mitomagny amireo ze tomagny. 16Mitovia fisaigna amigny sirairay. Ka misaina amigny fomba mirehareha, fa ekeo reo olo ambany. Ka mihevera gny tagnanao ho hendry.17Ka mamaly rasy gny rasy. Manova raha soa maro eo amasonigny olon'aby. 18Raha mety araky anize azonao atao, mihavagna amigny olon'aby.19Ka mamaly rasy gny vatandrareo, ry malala, fa ameo lalana gny fahasiahan'Agnahary. Fa voasorasy ho: "Anahy gny vali-faty; Izaho gny hamaly,' hoy gny Topo." 20Fa raha resy gny fahavalonao, ameo hany izy. Raha mangetaheta izy, ameo rano honominy izy. Fa gny manao anizay hanao, dra hamory bak'afo eo amigny lohany." 21Ka mety ho resinigny rasy, fa reseo amigny soa gny rasy.
Chapter 13

1Aoky gny fagnahy aby hakatoreo mana-pahefa agnabo, fa sy misy fahefa rasy sy avy amin'Agnahary. Dra reo mana-pahefa misy dra fa voatendrin'Agnahary. 2Noho izay ze manohisy anizay fahefa zay dra manohisy gny lilin'Agnahary; dra reo ze manohisy anizay dra hahazo fisara amigny vatan'ereo.3Akory reo panapaky dra sy fapatahora ho anireo asa soa, fa ho anireo asa rasy. Magniry gny sy hatahosy gny raiky ao amigny fahefa ra handrareo? Manova gny soa, dra ho dera amin'izay hanao. 4Fa izy dra panopon'Agnahary ho andrareo amigny soa. Fa raha manao gny rasy hanao, dra matahosy, akory sy minday gny mesa sy amigny atony izy. Fa izy dra panopon'Agnahary, pamaly gny fahasiaha amigny manao rasy. 5Noho izay dra tokony hakato handrareo, sy nohonigny fahasiaha avo, fa nohonigny fierisereta avo koa.6Noho izay dra mandoa hetra avo koa handrareo. Fa panopon'Agnahary reo mana-pahefa, ze mendrekisy anizay raha zay sy akiato. 7Atovy amigny sirairay ze tokony ho anereo: mandoava hetra amize tokony handoava anazy; mandoava fadi-seragna amize tokony handoavan'anazy; matahora anize tokony hatahosy; magnaza anize mendriky anizay.8Ka mana trosa na amin'iza na amin'iza, afa-sy gny fifakatiava avo. Fa ze tia gny magnodidy anazy dra nahatateraky gny lalan: 9Maro reo lily reo: "Ka mangala-balin'olo, ka mamono olo, ka mangalasy, ka misiririsy," Dra raha misy lily hafa akoasy reo koa, dra voafehy amity fehezateny tihoky zay: "Tiavo gny namanao manahaky gny vatanao." 10Gny fitiava dra sy mandrasy gny magnodidy; noho izay, gny fitiava gny fahataterahanigny lalana.11Noho izay, fatandrareo gny fotoa, fa fotoa hifohazandrareo amigny torimaso sahady izao. Fa amizao fa magnariny noho ze ninoasika tamigny volohany gny fagnavota asika. 12Mandroso gny hariva, dra magnariny gny andro. Noho izay andao haria reo asanigny mezy, dra ndao sika hitafy gny fialianigny fahazava.13Nadoa hizosy amigny lala mihisy, manahaky gny amigny andro, fa sy manahaky gny amireo firavoravoa sy apahamendreha na koa gny fahamamoa; dra ndao sy handeha amigny fahavetaveta na amigny fila sy voafehy, dra sy ho amigny fifanohera na fialogna. 14Fa matafia an'i Jesosy Kristy Topo, dra ka magnome hiriky ho anigny nofo, ba hagnomeza fahafaha-po gny filany.
Chapter 14

1Takaro na ze olo malemy amigny finoa, ka misara momba gny toha-kevisy. 2Gny olo raiky dra mana finoa hihina na ino na ino, fa gny raiky hafa malemy dra sy mihina afa-sy legioma avo.3Aoke ze mihina gny raha aby sy hagnamavo ze sy mihina; dra ze sy mihina gny raha aby koa sy hisara ze mihina. Fa Zagnahary fa nagneky anazy. 4Iza moa hanao io, hanao misara gny panopon'olo-kafa? Eo agnatrehanigny Topony izy gny mizoro gny magnety. Fa hasanga izy, akory gny Topo dra afaky manangan'anazy.5Gny olo raiky dra mihevisy fa misy gny andro soa nohonigny andro aby. Gny Hafa koa dra mihevisy fa mitoby gny andro aby. Angao gnolo ho resy lahasy araky gny sainy aby. 6Izay mandiniky gny andro, dra mandiniky anizay ho anigny Topo; dra ze mihina, dra mihina ho anigny Topo, fa misaotra an'Agnahary Izy. Ze sy mihina dra mifaly hany ho anigny Topo, izy avo koa dra misaotra an'Agnahary.7Fa sy misy miay ho anigny vatany isika, dra sy maty ho anigny vatany. 8Fa raha miay isika, dra miay ho anigny Topo, dra raha maty isika, dra maty ho anigny Topo. Araky anizay na velo isika na maty, dra anigny Topo. 9Fa ho aminize atony zay gny nahafatesan'i Kristy dra nahavelomany ndraiky koa, ba hahavy anazy ho sady Toponigny maty gny Toponigny velo.10Fa hanao, nagnino hanao gny misara gny rahalahiko? Dra hanao, nagnino hanao malaiky gny rahalahiky io? Fa isika aby dra bo hizoro ho sara eo agnatrehanigny seza fisaran'Agnahary. 11Fa voasorasy ho: "Raha bo velo koa zaho," Hoy gny Topo," dra hiforisy eo agnatrehako gny lohaliky aby, dra gny lela aby dra hideraan'Agnahary."12Noho izay dra isika aby dra hanao tatisy gny vatany eo amin'Agnahary. 13Dra, aoky isika sy hifapisara sasy, fa koa hanapaky anizao, ba sy hisy hametraky vato mahatafatohy na fandriky ho anigny rahalahy.14Mahafatasy zaho vo resy lahasy ao amigny Topo Jesosy, fa sy misy sy malio amigny vatany. Fa ho anize mitakasy na ino na ino ho sy malio avo, dra sy malio zay ho anazy. 15Akory raha malahelo nohonigny amigny sakafo gny rahalahy, dra sy mandeha apitiava sasy hanao. Ka sola nohonigny amigny hanindrareo reo ze namoizan'i Kristy gny ainy.16Ko ka mamela ze heverinao ho soa ho harasy. 17Fa gny fazakan'Agnahary dra sy momba gny sakafo vo gny rano honomy, fa momba gny fahamarigna, fedagna, dra fifalia ao amigny Fagnahy Masy.18Fa ze manopo an'i Kristy araky anizay dra akasitrahan'Agnahary vo ekenigny olo. 19Noho izay, aoky isika hanohy reo rahanigny fedagna vo reo raha ze manefy gny sirairay aby.20Ka sola nohonigny amigny hany gny asan'Agnahary. Malio vatany gny raha aby , fa rasy ho anigny olo ze mihina anazy dra mahavy anazy ho tafitohy. 21Soa gny sy minina-kena, na mino divay, na gny raha aby ze mety hanafitohy gny rahalahinao.22Gny finoa anagnandrareo, tehirizo ao aminao vo gny Zagnahary. Sambasy ze sy magnameloky gny vatany amize akeny. 23Ze misalasala dra meloky raha mihina, akory sy tamigny finoa zay. Dra na ino na ino sy avy amigny finoa dra fahota.
Chapter 15

1Dra sika ze matazaky dra tokony handefisy gny fahalemenigny malemy, dra sy tokony hanao ze mahafinarisy gny vatasika. 2Aoka sika hanao ze mahafaly gny piara-belo aminazy fa izay gny soa ba hanandrata anazy.3Fa gny Kristy aza nanao ze nahafatarany gny vatany. Fa ko izay dra araky gny fa voasorasy ho: "Gny fanirasisan'ireo ze manirasira anao dra nizera taminahy." 4Fa na ino na ino voasorasy taloha dra voasorasy ho fapenara asika, ba amigny alalanigny fahareta vo amigny alalanigny fapaherezanigny Sorasy Masy gny hanagnasika toky.5Dra gny Zagnahary gny fahareta vo fapahereza anie hagnome fisaigna mitovy ho anigny olo aby araky an'i Kristy Jesosy. 6Izy anie hanao ze anizay ba ho amigny fesaigna raiky vo amigny vava raiky avo gny hiderandrareo an'Agnahary vo gny Rain'i Toposika Jesosy Kristy. 7Noho izay mifandresa manahaky gny nandresan'i Kristy andrareo avo koa aza, ho fidera an'Agnahary.8Fa zakako fa Kristy dra fa lasa panoponigny voatapaky ho anigny fahamarignan'Agnahary, ba hahafaha magnamary reo fapanatena ze name gny ray reo, 9dra ho anireo Jentilisa ba hagnomezam-boninahisy an'Agnahary nohonigny famindra-pony. Zay dra araky gny fa voasorasy ho: "Noho izay dra hagnome fidera anao eo amireo Jentilisa Zaho dra hihira fidera gny andrareo.10Bo voazaka hatragny ho: "Miravoravoa, miaraky amigny vahoaky, ry Jentilisa." 11Na koa ho: "Derao gny Topo, ry Jentilisa aby; angao gny olon'aby hidera anazy."12Hoy ndraiky, Isaia ho: "Hisy fakanigny Jese, dra gny raiky ze hisangana hanapaky eo amigny Jentilisa. Hana fahatokia aminazy reo Jentilisa."13Dra gny Zagnahary gny fahatokisa anie hagnome andrareo amigny fifalia vo fewdagnan'aby amigny finoa, ba ho feno fahatokisa handrareo, boaky amigny herinigny Fagnahy Masy.14Gny vatako zao avo koa dra resy lahasy gny momba andrareo, ry rahalahy. Resy lahasy zaho fa handrareo avo koa dra feno fahasoava, feno gny fahalalan'aby. Resy lahasy zaho fa handrareo koa dra afaky mifagnanasy.15Fa manorasy apahavania amindrareo zaho momba reo raha ilany reo ba hapahasarova andrareo ndraiky, nohonigny fagnomezam-pahasoava ze namen'Agnahary anahy. 16Izay fagnomeza-pahasoava zay dra gny tokony ba hanopoako an'i Kristy Jesosy nalefa tamy Jentilisa agny, ba hanolosy manahaky gny soro gny filazasaran'Agnahary. Tokony hakato anizay dra ho azo ekena gny fagnatis'ireo Jentilisa, voatokanigny Fagnahy Masy.17Noho izay gny hafaliako dra eo amin'i Kristy Jesosy vo reo raha Zagnahary. 18fa sy ho havany hizaka na ino na ino afasy reo raha vitan'i Kristy tamigny alalako ho agny fakatoavan'ireo jetilisa zaho. Reo raha reo dra vita tamigny zaka vo asa. 19Tamigny herin'ireo famatara vo fahagaga, dra tamigny herin'ny fagnahy masy. Zay dra ba avy agny jerosalema, vo lavidavisy manahaky an'i Lyrikioma, gny hahafahako magnatateraky gny filazasaran'u Kristy.20Amin'izay, gny fagniriako dra gny hitory gny filazasara, fa sy agny amin'izay ahafatara an'i Kristy amigny agnara, ba sy hagnoregnako eo amin'izay fa nagnoregnako hafa. 21Izay dra araky gny voasorasy ho: ''Tamin'ireo zay sy nizaka anazy gny hahita anazy, dra reo zay sy nahare gny hahazo.''22Noho zay avo koa dra voakasa matetiky sy ho agny amindrareo zaho. 23Fa amizao, sy mana toera amin'ireo farisy reo sasy zaho, dra taona maro gny fa nagniriako fatrasy ho agny amindrareo.24Noho izay na Ombia na ombia andehanako agny Espana, dra manatena zaho gny hahita andrareo gny fa miriosy, dra haterindrareo agny amigny handehanako, gny avy tia gny fiarahandrareo selasela zaho. 25Fa amizao ho agny jerosalema zaho hanopo reo pino.26Fa fifalian'i Makedonia vo Akaia gny hanao Fandresan'azara ho an'ireo mahatra isan'ireo pino zay agny Jerosalema. 27Egny, fifalia ho nazy reo zay, dra, pitrosa aminazy tokoa izy reo. Fa gny jetilisa gny nizara tamigny raha masin'izy reo, dra tokony hanopo anazy reo avo koa izy reo amin'ireo raha ara-materialy.28Noho zay, Gny fa nitaterahiko izao asa izao dra nagnafatrasy fa voarain'izy reo gny vokasy zay nahoro, dra ho any Espaina zaho dra hisiliky andrareo amigny lalako. . 29Fataso fa gny magnagny amindrareo zaho dra hilisy amigny fahafeon'ny fitahin'i Kristy.30Akehitriny mapirisiky andrareo zaho, dra rahalahy, amigny Jesosy Kristy toposika, vo amigny fitiavan'ny fagnahy, ba hindray hialy aminahy handrareo amigny vavaky ataondrareo amin'i Zagnahary ho anahy. 31Mivavaky ba ho avosy amin'ireo zay sy makatoa any Jodia zaho, dra ba ho eken'ireo pino gny fanopoako ho an'i Jerosalema. 32Mivavaha ba hiaviako amindrareo aminy hafalia amigny sitrapon'i Zagnahary, dra ba hahafahako, mahita fisahara, mindray amindrareo.33Zagnahary gny fiadagna anie homba andrareo aby, Amena.
Chapter 16

1Akiniko amindrareo i Foiby anabavisika, ze panoponigny fengona a Kenkrea agny, 2ba handresandrareo anizay ao amigny Topo. Atovy zay amigny fomba mendriky reo pino, dra magnatreha anazy amize olo mety taliaviny gny fagnapindrareo. Fa izy vatany avo koa dra lasa pagnapiny gny maro, dra gny vatako avo koa.3Manova veloma an'i Prisila vo i Akoila, piara-miasa aminahy ao amin'i Kristy Jesosy, 4ze nahafo gny ain'ereo ho anigny aiko. Misora anereo zaho, dra sy izaho avo, fa reo fengonanigny Jentilisa aby koa. 5Manova veloma gny fengona ze ao amigny tragnon'ereo. Manova veloma agny amin'i Epineto malalako, ze voloham-bokas'i Asia ho an'i Kristy.6Manova veloma an'i Maria, niasa fatrasy ho andrareo. 7Manova veloma an'i Androniko vo i Jonia, havako, dra nindray nigadra taminahy. Malaza eo agnevon'ireo apostoly ereo, tao amin'i Kristy talohako avo koa. 8Manova veloma an'i Apmliato, malalako ao amigny Topo.9Manova veloma an'i Orbano, piara-miasa amisika ao amin'i Kristy, vo Staky, malalako. 10Arahabao Apela, gny akasitrahana ao amin'i Krysty. Arabao reo izay ao amigny tokatragnon'i Aristobolo. 11Manova veloma an'i Herodiona, havako. Manova veloma an'ireo zay ao amigny tokatragnon'i Narkisa, zay ao amigny topo.12Manova veloma an'i Tryfena vo Tryfosa, zay miasa mafatrasy ao amigny topo. Arabao Perysa malala, zay niasa matrasy tao amin'ny topo. 13Manova veloma an'i Rofosy, zay voafily tao amigny topom dra gny reniny vo gny reniko. 14Manova veloma an'i Asynkrito, Flegona, Hermesy, Patroba, Herma, dra reo rahalahy zay mindray amin'ereo.15Manova veloma an'i Filologia vo Jolia, Nerea vo gny anabaviny, vo Olimpa, dra reo pino aby mindray amin'izay reo. 16Mifanova veloma amigny fifaniriha masy. Reo fengonan'i Kristy aby dra manao veloma andrareo.17Akehitriny mapirisiky andrareo zaho, dra rahalahy, ba hihevisy gny mamba reo zay mahavy gny fizarazara vo gny fagnafitohigna. Izy reo dra mihoasy lavisy gny fapianara izay nalandrareo . Miala lavisy aza ireo . 18Fa sy manopon'ni Kristy toposika gny olo manahaky anio, fa gny trony manoka avo. Amigny zaka malefaky vo mandoka gny amitahan'izy reo gny fon'ny sy manasigny.19Fa gny ohasindrareo amigny fakatoava dra tafita agny amigny kiraikiraiky. Noho izay, mifaly zaho, gny amindrareo, fa tiako ba ho hendry am'izay soa handrareo, dra sy hanasigny am'izay rasy. 20Zagnahary gny fiadagna hanorotoro an'i Satana eo ambanin'ny tombondrareo afaky fotoa boribory. Ho aminadreo anie gny fahasoavan'i toposika Jesosy Kristy.21Timoty, piara-miasa aminahy, dra manao veloma andrareo, vo i Losio, Jaona dra i Sosipatro, havako. 22Izaho, Tertio, ze nanorasy ty apistily tihoky, dra manao veloma andrareo ao amigny Topo.23Gaio, gny papianasy anahy vo gny fengona manotolo, dra manao veloma andrareo. Arasto, pitam-bola ao amigny tana, dra manao veloma andrareo, miaraky amin'i Koarto gny rahalahy. 24[Fagnamariha: Gny fandika taloha soa dra mangalaky ty andininy tihoky. (atio gny Romana 16: 20). and 24: "Ho amindrareo aby anie gny fahasoavanigny Toposika Jesosy Kristy. Amena."]25Dra gny voninahisy dra ho anazy ze mahita mapizoro andrareo araky gny filazasarako vo gny fitoria an'i Jesosy Kristy, araky gny fagnambara gny misitery ze nitana ho sembaratelo ela be tagny, 26Kanefa zinaka amizao, dra tamigny alalanigny bokinigny faminania gny napahafatary tamigny firenena aby, araky gny lilin'agnahary mandrakizay, ho fakatoava gny finoa.27Ho anigny Zagnaharinigny fahendrena, anie gny voninahisy mandrakizay, amigny alalan'i Jesosy Kristy. Amena.

1 Corinthians

Chapter 1

1Paoly , nitokan'i Jesosy Kristy ba ho Apostoly nohon'gny sitrapon'Agnahary, vo Sostena rahalahisika,2ho agny fiangonan'Agnahary a Korinto, ho an'ereo ze nihamasiny tao amin'i Kristy Jesosy, ze voatoka ho olo masy . Manorasy ho an'ereo aby ze mitoka gny agnaran'i Jesosy Kristy Toposika amin'gny toera iaby avo koa zahay, dra Topon'ereo vo asika. 3Ho amindrareo anie gny fahasoava vo gny fiadana laha tamin'Agnahary Rasika vo Jesosy Kristy Topo.4Izaho dra magnome fisaora ho an'Agnahary ho andrareo avo nohon'gny fahasoavan'Agnahary ze nomen'i Jesosy Kristy andrareo. 5Nataony nanankanagna tamin'gny fomba iaby andrareo , tamin'gny fizaka aby vo gny fahalala aby, 6raha vao voaporofo teo amindrareo fa mary gny fagnambara momban'i Kristy.7Noho zay andrareo dra sy ory fagnomezam-pahasoava eo am-pandignasandrareo fatrasy gny fagnambara an' i jesosy Kristy Toposika. 8Izy avo koa dra hapahery andrareo hatramin'gny farany, ba sy hana-signy andrareo amin'gny andron'i Jesosy Kristy Toposika . 9Mahatoky Zagnahary, ze nitoka andrareo ho amin'gny fandresa amy zanadahiny , Jesosy Kristy Toposika.10Amizao dra mampirisika andrareo zaho, ry rahalahy. amin'gny agnaran'i Jesosy Kristy Toposika, ba hifagnaraky andrareo aby, dra sy hisy fisaraha eo amindrareo. Mampirisiky zaho ba hikamba amin'gny say mitovy vo tazona mitovy andrareo. 11Fa natao mazava taminahy , ry rahalahy, tamin'gny alalan'gny vahoakin'i kloe fa misy fifampiandania eo amindrareo.12Gny toako ambara dra zao: Gny kirairaiky amindrareo samy manao ho: ''Izaho miaraky amin'i Paoly,''dre ''Izaho miaraky amin'i Apostoly,''dre ''Izaho miaraky amin'i Kefasy,''dre ''Izaho miaraky amin'i Kristy.'' 13Voazarazara se Kristy? Paoly se gny nomboa ho andrareo? Tamin'gny agnaran'i Paoly se nanova batisa andrareo?14Misaotra an'Agnahary zaho fa sy nisy nataoko batisa andrareo , afa-sy Krispo vo Gaio. 15Zay dra ba sy hafahan'iza na iza mizaka ho tamin'gny agnarako gny nanova batisa andrareo. 16( Zaho avo koa dra nanao batisa gny ankohonan'i Stefanasy, Gny akoasy zay, sy fatako raha nanao batisa olo hafa zaho.)17Fa kristy dra sy nagniraky anahy ba hampanao batisa fa hitory gny filazasara. Izy sy nandefa anahy hitory amin'gny zakan'gny fahendren'ny olombelo, ba sy ho rava gny herin'gny hazofizalian'i Kristy.18Fa gny hafasy momba gny hazo fizalia dra fahamola amin'ireo ze ho maty. Fa eo amin'ereo ze ho vozen'Agnahary koa, dra herin'Agnahary zay. 19Fa voasorasy ho: ''Ho torotoroko gny fahendren'gny hendry. Ho ravako gny fahalalan'gny mahay.''20Eza gny olon-kendry? Eza gny manam-pahaiza? Eza gny pialy hevisy an'izao totolo zao? Moa sy navalik'Agnahary ho fahamola se gny fahendren'izao totolo zao? 21Satria sy nahay an'Agnahary zao totolo zao tao amin'gny fahendreny, dra sitrak'Agnahary gny hamozy reo ze mino amin'gny alalan'gny fahamolan'gny fitoria.22Fa reo Jiosy dra mangataky famatara mahagaga dra reo Grika mikaroly fahendrena. 23Fa zahay mitory an'i Kristy voahombo , ze vato fanafitohina ho an'ereo Jiosy dra fahamola ho an'ereo Grika.24Fa ho an'ereo ze nitokan'Agnahary, reo Jiosy vo reo Grika, dra mitory an' i Kristy tahaky gny hery vo fahendren'Agnahary zahay. 25Fa gny fahamolan'Agnahary dra hendry noho gny olo, dra gny fahalemen'Agnahary dra matazaky noho gny olo.26Hevero gny fitokava andrareo, ry rahalahy. sy maro tamindrareo gny hendry raha gny amin'gny maha olombelo. Sy maro tamindrareo gny nahery. Sy maro tamindrareo gny abo firazagna. 27Fa Zagnahary dra nisafily reo raha molan'izao totolo zao ba hapahamegnasy gny hendry . Zagnahary dra nisafily ze malemy eo amin'izao totolo zao ba hapahamegnasy ze matazaky.28Zagnahary dra nisafily ze ambany vo hamavoy eto amin'izao totolo zao. Na Izy avo dra nifily reo raha ze nihevery ho sinosino , ba hahavy sinosino reo raha ze atao ho mana-daza. 29Nataony zay ba sy hisy hana atony hirehareha eo anatrehany.30Nohon'gny nataon'Agnahary, amizao andrareo dra ao amin'i Kristy Jesosy, ze lasa fahendre ho asika laha tamin'Agnahary. Izy dra lasa fahamarinasika, fahamasignasika dra fahafahasika. 31Vokasin'izay, araky ze voazakan'gny Sorasy masy ho:''Ao ze mirehareha , hirehareha ao amin'gny Topo.''
Chapter 2

1Gny fa nagneo amindrareo zaho, ry rahalahy , dra sy avy niaraky tamy lahateny na fahendrena raha nagnambara gny mistery momban'Agnahary. [ Fanamarigna: Gny dika-zaka maro hafa dra mivaky manahaky anizao ho: ''Raha nagnambara gny fisangana vavolombelo momban'Agnahary zaho''] Fa nanapa-kevisy sy hahalala na ino na ino zaho gny teo amindrareo, afa-sy Jesosy Kristy , vo Izy voahombo.3Dra niaraky tamindrareo zaho teo amin'gny fahalemena , vo teo amin'gny tahosy dra teo amin'gny fangitikitia lahibe. 4Dra gny hadako vo gny fagnambarako dra sy tamin'gny zaka fandresen-dahasy gny fahendrena. Fa dra, reo dra tamin'gny fanehoan'gny Fanahy vo hery, 5ba sy ho ao amin'gny fahendren'gny olombelo gny finoandrareo, fa ao amin'gny herin'Agnahary.6Amizao dra miresaky fahendrena eo amin'ereo matosy isika, fa sy gny fahendren'izao totolo zao , na gny ani'ereo mpanapak'izao vaninandro zao, ze miriosy avo. 7Fa dra, mizaka gny fahendren'Agnahary amin'gny fahamarina mivony isika, gny fahendrena mivony ze nitendren'Agnahary mialoha talohan'ereo vaninandro aby ho voninahisika.8Sy nisy tamin'ereo mpanapak'izao andro zao gny nahafatasy io fahendrena io, fa raha nahatakasy anizay ereo tamin'izay fotoa zay, dra sy ho nombon'ereo gny Topon'gny voninahisy. 9Fa araky ze voasorasy ho:''Reo raha ze sy nisy maso nahita, sy nisy sofy nahare, sy nisy eriserisy nahazo asay, reo raha ze noman'Agnahary ho an'ereo tia Anazy.''10Reo gny raha nasehon'Agnahary taminay tamin'gny alalan'gny Fagnahy> Fa gny Fagnahy dra mitalia gny raha iaby, dre dra reo raha lalin'Agnahary avo. 11Fa iza gny mahafatasy gny fisaignan'gny olo raiky afa-sy gny fanahin'gny olo ao aminazy? Araky zay koa, sy misy mahafatasy reo raha lalin'Agnahary afa-sy gny Fanahin'Agnahary.12Fa sy nandray gny fagnahin'izao totolo zao isika, fa gny Fagnahy ze laha tamin'Agnahary, ba hafahasika mahafatasy reo raha ome asika maimaipoa laha tamin'Agnahary. 13Mizaka momba gny raha reo amin'gny zaka ze hain'gny fahandren'gny olombelo ampianary izahay, fa ze ampianarin'gny Fagnahy anay. Gny Fagnahy gny mandika gny zaka ara-panahy miaraky amin'gny fahendre ara-pagnahy.14Gny olo ze sy ara-panahy dra sy mandray gny raha ze agny Fanahin'Agnahary, satria fahadala aminazy io. Sy afa-mahalala an'io .15Zay ara-pagnahy dra misara gny raha iaby, fa sy iharan'gny fisaran'gny hafa izy. 16''Fa iza gny fa-mahay gny fisaignan'gny Topo, gny ho afaky hampianasy Anazy?''Fa izahay dra mana gny fisaignan'i Kristy.
Chapter 3

1Dra izaho , ry rahalahy, dra sy afaky nizaka tamindrareo tahaky gny olo ze ara-pagnahy, fa dra tahaky gny olo ara-nofo, tahaky gny zazamasaikyao amin'i Kristy. 2Nifahanako ronono andrareo, fa sy ventin-kny, satria sy vonona tamin'izay andrareo; na amizao avo dra bo sy vonona amin'izay andrareo.3Satria andrareo bo araky gny nofo. Fa dre eza misy fahasarotam-piaro vo fifagnakania eo amindrareo, dra sy miay araky gny nofo se andrareo, dra sy mandeha amin'gny fenitry gny olombelo? 4Fa gny fa misy raiky mizaka ho:''Izaho magnaraky an'i Paoly,''dra gny raiky mizaka ho: ''Izaho magnaraky an'i apolosy , ''dra sy miay tahaky gny olombelo avo se andrareo? 5Iza gny Apolosy? Iza Paoly? Mpanompo ze tamin'gny alalany gny ninoandrareo, ze nomen'gny Topo asa aby.6Izaho gny namboly , Apolosy gny nanondraky , fa Zagnahary gny nampitombo. 7Ka noho zay, na iza ze mamboly na iza ze manondraky dra sy misy dikany. Fa Zagnahary gny mampitombo.8Dra izy ze mamboly vo izy ze manondraky dra raiky, dra gny kirairaiky dra samy hahazo gny karamany aby araky gny asany. 9Fa izahay dra mpiara-miasa amin'Agnahary. Andrareo dra sahan'Agnahary, vo tragnon'Agnahary.10Araky gny fahasoavan'Agnahary ze nome anahy tahaky gny mpanao tragno mahay, dra nametraky gny fotoa zahy dra hafa gny magnory eo agn'abony. Fa ao gny lelahy kirairaiky hitandry gny amin'gny fomba hagnoregnany eo amin'izay. 11Fa sy misy olo mametraky fotosy afa-sy gny raiky ze napetraky, zay hô, Jesosy Kristy.12Amizao raha misy olo magnory eo agn'abonin'gny fotosy amin'gny volamena, volafosy , vato sarobidy, hazo , bozaky, na mololo, 13dra haseho gny asany , fa gny andro mazava gny haneho anizay. Satria haseho amin'gny afo zay. Gny afo gny hisapa gny hasaran'gny nataon'gny kirairaiky .14Raha mitoesy gny asan'gny olo, dra hahazo valisoa izy; 15fa raha may gny asan'gny olo, dra ho fatiatoky izy, fa izy vatany dra ho voze, manahaky gny nipotaky tamin'gny afo avo.16Sy fatasindrareo se fa andrareo dra tragnon'Agnahary dra gny Fagnahin'Agnahary gny mitoesy ao amindrareo? 17Raha misy olo manimba gny tragnon'Agnahary , dra hanimba anizay olo zay Zagnahary. Fa masy gny tragnan'Agnahary, dra manahaky anizay koa andrareo.18Ka anga hisy olo hamita-vata . Raha misy olo eo amindrareo mihevisy fa hendry izy amin'izao vanim-potoa zao, angao izy ho lasa''adala''amin'izay ba mety ho lasa hendry izy. 19Fa gny fahendren'izao totolo zao dra fahalala eo amin'Agnahary . Satria voasorasy ho: ''Nahatrasy gny hedry tao amin'gny hafesan'ereo Izy. ''20Dra koa ho:''Gny Topo dra mahay fa gny fihevisy gny hendry dra raha-rava.''21Noho zay sy misy firehareha momban'gny olo sasy! Fa gny raha-iaby dra andrareo,22na Paoly , na Apolosy, na Kefasy, na zao totolo zao, na fiaigna, na fahafatesa , na raha amizao, na raha ho avy . Gny raha-iaby dra andrareo, 23dra andrareo dra an'i Kristy, dra Kristy dra an'Agnahary.
Chapter 4

1Manahaky anizao gny tokony handrambesan'gny olo asika, tahaky gny mpanompon'i Kristy dra mpitandry gny misterin'Agnahary. 2Amiza'izay fifandrambesa zay, dra fepetra takia amin'ereo mpitandry gny maha-mendri-pitokia anazy reo.3Fa aminahy dra raha masaiky dra masaiky gny tokony hisarandrareo na hisaran'olombelo anahy aby. Fa dre izaho avo sy misara gny vatako. 4Izaho dra sy mahafatasy ze fiampanga anatao taminahy, fa zay dra sy midika fa sy mana-signy zaho. Gny Topo gny misara anahy.5Noho zay, ka manono fisara momban'gny raha iaby mialohan'gny fotoa, mialohan'gny hiavian'gny Topo. Izy dra handay raha mihaza amy mezy handesy amin'gny fahazava dra hampiseho gny fikasan'gny fo. laha teo gny kirairaiky aby dra handramby gny fiderany laha tamin'Agnahary.6Amizao, ry rahalahy, nampihasy gny fisipiky reo taminahy vo tamin'i Apolosy zaho nohon'gny amindrareo, ba hafahandrareo mianasy laha taminay gny dikan'gny fizaka ho: ''Ka mandeha mihoasy ze voasorasy.''Zay dra ba sy hisy raiky amindrareo hirehareha gny amin'gny fakasitraha gny raiky noho gny hafa. 7Fa iza gny mahita fahasamihafa eo aminddrareo vo reo hafa? Ino gny anagnandrareo dra sy nirambesindrareo maimaipoa? Raha nandramby anizay maimaipoa andrareo, nanao akory andrareo gny mirehareha manahaky gny sy nanao manahaky anizay?8Fa anagnandrareo iaby ze gny fa taliavindrareo! Fa nazary mpagnarivo andrareo! Dra fa nanomboky nazaka andrareo-dra zay dra sy avy taminay! zaho dra magniry tokoa gny nazakandrareo, ba hafahanay mazaka miaraky amindrareo. 9Fa zaho dra mieriserisy fa Zagnahary dra nametraky asika ho apostoly miharihary tahaky gny olo voafagnahia ho maty. Izahay dra nazary fampisehoa ho an'izao totolo zao-ho an'ereo azely, dra gny ho agny olombelo.10Izahay dra mola nohon'gny amin'i Kristy, fa andrareo dra hendry ao amin'i Kristy. Malemy zahay, fa andrareo mahery. Andrareo dra nomem-boninahisy , fa zahay koa sy nala-baraka. 11Mandrak'amizao zahay dra resy vo mangetaheta , mizaly akazo, trobaky fatrasy , dra sy mana-kialofa.12Miasa fatrasy zahay, miasa amin'gny alalan'gny tagnanay avo. Gny fa kizahy zahay, dra miarisy. 13Gny fa hezehy zahay, dra miso-drano. Gny fa voahendrikendriky zahay, dra mizaka amin-kasaram-pagnahy. Zahay dra niova, dra bo rambesy ho, fakon'izao totolo zao vo vahan-draha iaby.14Zaho dra sy nanorasy gny raha reo ba hahamegnasy andrareo, fa manisy andrareo manahaky gny zanaky malalako. 15Fa na dra mana mpiamby hariva raiky ao amin'i Kristy avo andrareo, dra sy mana raiky maro be. Fa zaho dra nazary randrareo ao amin'i Kristy Jesosy tamin'gny alalan'gny filazasara. 16Noho zay dra mampirisiky andrareo zaho ba ho paka-tahaky anahy.17Zay gny nandefasako andrareo an'i Timoty, zanaky malalako sady mahatoky ao amin'gny Topo. Izy dra hapasiahy andrareo gny lalako ao amin'i Kristy, tahaky gny ampianarako anazy reo dre eza dre eza vo ao amin'gny fiangona iaby. 18Amizao dra lasa miavo gn'ilany amindrareo, manao manahaky gny ho sy ho avy agny amindrareo zaho.19Fa ho avy sy ho ela agny amindrareo zaho, raha sitraky gny Topo. Dra sy hahafatasy gny resak'ereo ze tena miavo avo zaho, fa hahita gny herin'ereo . 20Satria gny fazakan'Agnahary dra sy mifotosy amin'gny resaky fa amin'gny hery. 21Ino gny taliavindrareo? Tokony ho avy agny amindrareo miaraky amin'gny sorakazo se zaho sa miaraky amin'gny fitiava feno halemem-pagnahy?
Chapter 5

1Zahay dra nahare tatisy fa misy fizangazanga eo amindrareo, karaza fandesa-vata sy mendreky ze sy azo atao akory eo amin'ereo Zetilisa. Gny tatisy dra hô misy raiky amindrareo miaraky mandry amin'gny valin-drany. 2Andrareo dra tena miavognavo! Fa sy tokony alahelo se andrareo? Gny raiky ze nanao anizay dra sy maisy ala eto amindrareo.3Fa dre dra sy eo ara-bata avo zaho fa bo eo ara-ppagnahy, dra fa nisara gny raiky ze nanao anizay avo, manahaky gny hô teo zaho. 4Gny fa miaraky mivory amin'gny agnaran'i Jesosy Toposika andrareo, dra gny fanahiko dra eo koa amin'gny herin'i Jesosy Toposika, dra fa nisara anio olo io avo zaho. 5Nataoko zay ba hanolora anizay lelahy zay ho agny Satana ho fanorotoroa gny nofo, ba ho voavozy gny fanahiny amin'gny andron'gny Topo.6Sy soa gny fireharehandrareo ! Sy fatasindrareo se fa gny lalivay masaiky dra magnova gny mofo iaby? 7Liovy gny vatandrareo amin'gny lalivay taloha ba ho hazary mofo vaovao andrareo, ka ba hazary mofo sy misy lalivay. Fa kristy, gny Zanak'agn'ondrisika tamin'gny Paska, dra natao soro. 8Noho zay dra ao isika hakalaza gny firavoravoa, sy amin'gny lalivay taloha , gny lalivain'gny fandesa-vata rasy vo faharasia. Fa dra, ao isika hakalaza amin'gny mofo sy misy lavenin'gny fahaliovam-po vo fahamarina.9Izaho dra nanorasy ho andrareo tao amin'gny taratasiko ba sy hiarahandrareo miasa amin'ereo olo pizangazanza. 10Kanefa gny tiako ambara dra sy gny olo pizangazanga iaby eto amin'izao totolo zao, na reo sy mahano-vata, na reo pisoloky, na reo panopo sapy , satria ba hiala amin'ereo dra mila miala amin'izao totolo zao andrareo.11Nefa amizao zaho manorasy ho andrareo ba sy hiara -hiasa miaraky amin'iza na iza ze tokavy hô rahalahy nefa miay ao agnatin'gny fizangazanga, dre ze sy mahono-tegna, dre panopo sapy, dre pizaka rasy, dre pimamo, dre pisoloky. Ka mihinana hany miaraky amin'gny olo manahaky anizay avo. 12Fa nanao akory gny idirako amin'gny fisara reo ze agny ambalikin'gny fiangona? Mifanohisy amin'izay , andrareo se sy tokony hisara reo ze ao agnatin'gny fiangona? 13Fa Zagnahary dra misara reo ze agny ambaliky. ''Alao eo amindrareo gny olo-drasy.''
Chapter 6

1Gny fa misy raiky amindrareo mana aly amin'gny raiky hafa, mahavany handeha agny amin'gny fisara eo anatrehan'gny pisara sy pino se izy, fa sy eo anatrehan'ereo pino? 2Moa sy fatasindrareo se fa gny pino gny hisara an'izao totolo zao? Raha zay, andrareo gny hisara an'izao totolo zao, moa sy mahavita mandamy raharaha maliniky se andrareo? 3Moa sy fatasindrareo se fa hisara reo Azely isika?Manahaky gny nanao akory, nanao anizay , gny fihoaran'gny fahafahasika misara gny raharaha amin'itiho fiaigna itiho?4Raha manahaky dra ka afaky misara gny raha ze miseho amin'gny andavanandrom-piaigna anao, nanao akory anao gny mametraky karaza tranga tahaky anizay eo anatrehan'ereo ze sinosino ao amin'gny fiangona ? 5Hahamegnasy andrareo gny hizakako anizay. Moa se sy ba misy apy fahendrena na dra raiky avo eo amindrareo handamy gny disadisa eo amin'gny pirahalahy? Fa dra , misy pino raiky mandeha mifanatriky amin'gny pino hafa eo amin'gny fisara, dra zay raharaha zay dra hapetraky eo anatrehan'gny pisara ze sy pino!7Gny fisan'gny aly eo amindrareo Kristiana ay dra fa faharese ho andrareo avo. Fa sy aleo se mizaly amin'gny fahadisoa? Fa sy aleo se agna ho voafitaky gny vatandrareo? 8Fa andrareo dra nandiso vo namitaky gny hafa , dra rahalahindrareo avo ereo!9Moa se sy fatasindrareo fa gny sy mary dra sy handova gny Fazakan'Agnahary? Ka mino vandy. Reo vetaveta, reo panopo sapy, reo pizangazanga, reo lelahy mpivaro-tegna, reo ze miara-mandry amin'gny samy lelahy,10reo mpangalasy, reo sy mahay zao, reo mpinotoaky, reo mpagnarasy , reo mpandrava-sy misy raiky amin'ereo handova gny fazakan'Agnahary. 11Manahaky anizay gn'ilany amindrareo. Fa voalio andrareo, nohamasiny andrareo, dra voamary teo amin'Agnahary andrareo tamin'gny agnaran'gny Topo Jesosy Kristy vo tamin'gny Fanahin'Agnahary.''12Gny raha iaby dra ara-dala aminahy,''fa sy gny raha iaby gny mahasoa.''Gny raha iaby dra ara-dala aminahy,''fa sy ho andevozin'gny raiky amin'ereo zaho. 13''Gny hany dra ho agny troky, dra gny troky natao ho agny hany,''fa Zagnahary dra handrava anazy ro reo. Gny vata dra sy natao ho agny fizangazanga . fa dra, gny vata dra natao ho agny Topo, dra gny Topo dra hagnome ho agny vata.14Zagnahary dra fa nananga gny Topo sady hananga asika amin'gny heriny koa. 15Moa sy fatasindrareo se fa gny vatandrareo dra rasam-batan'i Kristy? Ka andesiko se gny rasam-vatan'i Kristy dra hampiray anazy reo amin'gny mpivaro-tegna? Sy hisy se zay!16Moa sy fatasindrareo se fa ze miray amin'gny mpivaro-tegna dra lasa nofo raiky aminazy? Tahaky gny voazakan'gny Sorasy Masy ho:''Ho nofo raiky avo izy ro.'' 17Fa izy miray amin'gny Topo dra lasa fagnahy raiky Aminazy.18Hialao gny fizangazanga! Gny fahota hafa aby ze ataon'gny olo dra ambaliky gny vata, fa gny olo pizangazanga dra manota ho amin'gny vatany avo.19Moa se sy fatasindrareo fa gny vatandrareo dra fiangonan'gny Fagnahy masy, ze mony ao agnatindrareo, ze azondrareo lha tamin'Agnahary? Moa sy fatasindrareo se fa sy andareo vatandrareo? 20Fa olom-boavily andrareo. Noho zay dra makalaza an'Agnahary amin'gny vatandrareo. [ Fanamarigna: Gny dika-zaka taloha sasany dra mivaky manahaky anizao hô : ''Noho zay makalaza an'Agnahary amin'gny vatandrareo vo amin'gny fagnahindrareo, ze an'Agnahary.'' Fa gny dika-zaka soa indrindra dra sy mivaky manahaky an'io.]
Chapter 7

1Dra mahakasiky gny olo ze nosoratindrareo momban'gny ho: ''soa ho agny lelahy gny sy mikasiky ampela.''2Nefa noho reo fakam-panahy amin'gny fahavetaveta maro isan-karazany, dra tokony hana gny valiny manoka aby gny lelahy kirairaiky, dra gny ampela kirairaiky dra tokony hana gny valiny manoka aby.3Gny lelahy dra tokony hagnome reo zo ara-panambalia ho agny valiny, dra manahaky anizay koa gn'ampela ho agny valiny. 4Sy gny ampela gny mana fahefa amin'gny vatany manoka, fa gny valiny. Manahaky anizay koa, sy gny lelahy gny mana fahefa amin'gny vatany manoka , fa gny valiny gny mana.5Ka mifanakasaka andrareo kirairaiky , afa-sy amin'gny fifagnaraha nifanova dra amin'gny fotoa voatoka. Atovy zay ba hafahandrareo manoka -tegna amin'gny vavaky. Laha teo dra tokony hiara-handry draiky andrareo, ba sy hafahan'gny sy fanagnandrareo fifeheza-tegna. 6Kanefa zaho dra mizaka gny raha reo amindrareo am-pahalalahana fa sy didy koa. 7Iriko gny olo iaby hanahaky anahy. Fa gny kirairaiky dra samy mana gny fagnomezam-pahasoavany manoka laha tamin'Agnahary. Gny raiky mana anitiho karazam-pagnomezam-pahasoava itiho, dra gny raiky hafa mana karazany hafa koa.8Ho an'ereo ze sy manambaly vo reo pinday vata dra mizaka zaho fa soa ho anazy reo raha mizano vo manambaly ereo, tahaky anahy. 9Kanefa ereo raha sy afaky mamehy vata, dra tokony hanambaly. Satria soa ho anazy reo gny manambaly manahaky ze ampirehetin'gny fila ara-nofo.10Dra ho an'ereo ze manambaly dra magnome anizao didy zaho-sy zaho, fa gny Topo-gny ampela dra sy tokony hisaraky amin'gny valiny, 11( fa raha manao izy ka misaraky amin'gny valiny, dra tokony hizano sy hanambaly na koa mihery mihava amin'gny valiny)-dra gny lelahy dra sy tokony hisaraky amin'gny valiny.12Fa ho agny sisa dra mizaka zaho-izaho fa sy gny Topo-hô raha misy rahalahy raiky mana valy sy mpino, dra raha mahafaly anazy gny miaraky miay aminazyy, dra sy tokony hisaraky amin'gny valiny izy. 13Raha gny ampela raiky gny mana valy sy mpino, dra raha mahafaly anazy gny miara-miay aminazy, dra sy tokony hisaraky amin'gny valiny izy. 14Satria gny lelahy sy mpino dra natoka noho gny amin'gny valiny, dra gny ampela sy mpino dra natoka nohn'gny amin'gny rahalahy. Fa raha sy zay dra ho maloto gny zanakindrareo, nefa raha gny mary dra fa voatoka nereo.15Fa raha gny valy sy Kristianiana gny magnenga, angao izy andeha. amin'gny toe-draha manahaky anizay, gny rahalahy dre gny rahavavy dra sy voafehin'gny voadin'ereo. Zagnahary dra nitoka asika ba hiay am-piadana. 16Fa amin'gny fomba manao akory gny ahafataranao, ry ampela , raha ho voavozinao gny valinao? Na amin'gny fomba manao akory gny ahazanao , ry lelahy , raha ho voavozinao gny valinao?17Fa angao avo gny kirairaiky aby hiay gny fiaigna ze fa nanendren'gny Topo anazy, dra araky gny fa nitokavan'agnahary anazy. Io gny fisipiko ao amin'gny fiangona iaby. 18Fa voafora se gny olo raiky gny fa nitokavy ba hino? Izy dra sy tokony hiezaky gny hisehoseho tahaky gny sy voafora. Sy voafora se gny olo raiky gny fa nitokavy ho amin'gny finoa? Sy tokony ho forignesa izy. 19satria sy gny famora na gny sy famora gny raha-lahibe. Gny raha-lahibe dra gny fakatoava gny didin'Agnahary.20Gny kirairaiky aby dra tokony hizano amin'gny fitokava ze nisy anazy gny fa nitokavin'Agnahary ba hino izy. 21Andevo se anao fony Zagnahary nitoka anao? Ka miahiahy gny amin'izay . Fa raha mety ho afaky anao, dra araraoty zay. 22Satria gny olo raiky ze nitokavin'gny Topo ho andevo dra olo afaky gny Topo. Manahaky anizay koa gny olo ze afaky fony izy nitoka ba hino dra andevon'i Kristy. 23Andrareo dra voavily, noho zay dra ka avy manahaky gny andevon'olo. 24Ry rahalahy, dre ino dre ino fiaigna nisy amisika kirairaiky fony isika nitokavy ba hino, dra ao isika hizono hanahaky anizay.25Dra mahakasiky reo ze sy nanambaly mihisy, izaho dra sy mana didy laha tagny amin'gny Topo. Nefa izaho dra magnome gny hevisy tahaky gny raiky ze , amin'gny alalan'gny famindram-pon'gny Topo, dra mendri-pitokisa. 26Noho zay, mieriserisy zaho fa nohon'gny loza ze ho avy,dra soa ho agny lelahy gny mizano amin'gny izy anazy.27Voafehy amin'gny ampela se andrareo/ Ka mitalia gny ho afaky aminazy. Afaky amin'gny valinao se anao? Ka mitalia valy. Nefa raha manambaly andrareo, dra sy nanota. 28Raha gny ampela sy manambaly gny manambaly, dra sy nanota izy. Nefa gny se manambaly dra hana karazan'olo maro raha bo velo, dra zaho dra te hangalaky andrareo amin'izay.29Fa zao gny zakako , ry rahalahy: Bory gny fotoa. Manomboky zao, aleo reo ze fa manam-baly hiay ho tahaky gny sy mana. 30Reo ze mitomagny dra tokony hanao hanahaky gny sy mitomagny , reo ze mifaly hanahaky gny sy mifaly,dra reo ze mivily hanahaky gny sy mana dre ino dre ino ; 31dra reo ze mampiasa anizao totolo zao dra sy tokony hanao tahaky gny mampiasa zay tateraky. Satria zao totolo zao amin'gny endriny amizao dra ho avy amin'gny fiafara.32Tiako andrareo ho afaky amin'ireo ahiahy. Gny lelahy sy manambaly dra miahiahy gny amin'gny reo raha gny Topo, gny amin'gny fomba hampifalia Anazy. 33Fa gny lelahy manambaly dra miahiahy gny amin'gny rahan'izao totolo zao, gny amin'gny fomba hampifalia gny valiny-34mizarazara izy. Gny ampela sy manambaly dre viriziny dra miahiahy gny amin'gny raha gny Topo, gny amin'gny fomba hanokana amin'gny tegna vo gny fagnahy. Fa gny ampela manambaly dra miahiahy gny amin'gny rahan'izao totolo zao, gny amy fomba hampifalia gny valiny.35Zakako zay ho agny tombosoandrareo manoka, fa sy hametraky anizay iaby sakasaka eo amindrareo. Mizaka anizay zaho noho zay mary, amin'izay andrareo ba hanolo-vata ho agny Topo sy misy faneligely.36Nefa raha misy olo raiky mihevisy fa sy minday gny fofom-baliny am-pagnaza-raha mihoasy gny taonan'gny fanambalia gny ampela dra sy maisy manahaky anizay-dra tokony hanao ze tiany izy. Sy manota izy. Tokony hivaly ereo. 37Nefa raha mikasa soa tao am-pony izy, raha toa ka sy ambany faneritere fa afaky mifehy gny sitrapony manoka , dra raha nanapa-kevisy tao am-pony izy gny hanao anizay, ba hitana gny fofombaliny ho viriziny, dra soa gny ataony. 38Dra ze manambaly gny fofombaliny dra manao gny soa , dra ze misafily gny sy hanambaly dra hanao gny soasoa koa .39Gny ampela dra voafehy gny valiny raha bo velo ralehilahy . Fa raha maty gny valiny ,dra malalaky soa izy gny hanambaly ze tiany ho valia, nefa ao amin'gny Topo avo. 40Nefa amin'gny fisarako dra tokony ho faly avo izy raha miay amin'izao avo. Dra heveroko fa zaho avo koa dra mana gny Fagnahin'Agnahary.
Chapter 8

1Dra mahakasiky gny hany atao soro ho agny sapy-fatasika fa: ''Isika iaby dra manam-pahalala. ''Gny fahalala mampirehareha, fa gny fitiava mananga. v 2 Raha misy olo raiky mihevisy gny vatany fa mahadata-draha, dra bo sy mahafatasy araky ze tokony hahafatarany avo zay olo zay. 3Fa raha misy olo raiky tia an'Agnahary , dra fatany ze olo zay.4Koa raha gny mahakasiky gny fihinana sakafo natao ho agny sapy -dra fatasika fa '' sapy eto amin'izao totolo zao dra sinosino''dra ''fa sy misy Zagnahary afa-sy raiky avo.'' 5Fa mety gny moly agny an-dagnisy dre etiho an-tany , manahaky gny hamaroan'ereo''zagnahary''vo gny hamaroan'ereo ''topo''. ''6 Fa ho asika, Raiky avo gny Zagnahary dra gny Ray, ze laha taminazy gny raha iaby,dra Izy gny atony hivelomasika, dra raiky gny Topo Jesosy Kristy, ze tamin'gny alalany gny nisian'gny raha iaby, dra tamin'gny alalany gny nisiasika.''7Na zay avo, zay fahalala zay dra bo sy ao amin'gny kirairaiky. Fa dra, gn'ilany teo aloha dra nampihasy gny fanopoa-sapy , dra nihina anizay sakafo zay hanahaky gny ho raha natao soro ho agny sapy zay. Noho zay dra simba gny fieriseresin'ereo satria malemy zay.8Fa sy gny hany gny hanolosy asika eo amin'Agnahary. Fa sy rasy be isika raha sy mihina , dre koa hô soa be raha sy mihina, na koa hô soa be raha mihina anizay. 9Tandremo ba sy gny fahalalandrareo gny atony hahavy reo olo osa ara-pinoa ho tafitohy. 10Fa atovy manahaky gny hô misy mahita anao, ze manam-pahaiza, mihina gny hany ao amin'gny fiangonan'gny sapy. Sy gny fahalemen'gny fieriseretany se gny nahavaniany hihina ze natolosy ho agny sapy?11Koa nohon'gny fahalalanao gny toesy mary momba gny sapy , dra levo gny rahalahy malemy finoa raiky, ze nahafatesan'i Kristy . 12Noho zay, gny fa manota amin'gny rahalahindrareo andrareo ka mandrasy gny say malemin'ereo, dra manota manohisy an'i Kristy andrareo. 13Noho zay, raha gny sakafo gny mahavy gny rahalahiko ho fatitohy , dra sy hihinan-kana sasy zaho, ba sy laha taminahy gny hahalavo gny rahalahiko.
Chapter 9

1Sy olo afaky se zaho? sy apostoly se zaho? Sy nahita an'i Jesosy Toposika se zaho? Sy asako ao amin'gny Topo se andrareo? 2Raha sy apostoly ho agny hafa zaho, dra farafaharasiny Apostoly ho andrareo. Fa andrareo gny porofo amin'gny maha-apostoly anahy ao amin'gny Topo.3Zao gny fiarovako amin'ireo ze manadihady anahy: 4Moa se zahay sy mahazo alala gny hihina vo hisotro/ 5Moa se izahay sy mahazo minday valy ze mpino, tahaky gny ataon'ereo apostoly sasany, vo reo rahalahin'gny Topo, dra kefasy? 6Sa Barnabasy vo zaho raiky gny sy maisy miasa?7Iza gny manao fanopoa miaramila amin'gny fandaniany manoka? Iza gny mamboly voloboky dra sy mihina gny tegnany? Na iza gny miamby agn'ondry dra sy misotro gny ronono laha tamin'izay ? 8Moa se zaho mizaka gny raha reo mifotosy amin'gny fahefan'gny olombelo? Sy mizaka anizay koa se gny lalana?9Fa zay dra fa voasorasy ao amin'gny lalan'i Mosesy ho:''Ka asia fehi-vava gny agn'omby gny fa miely tegnany izy.''Tena gny agn'omby tokoa se gny hiahian'Agnahary? 10Sy miresaky momba anay se izy? Fa nisorata ho asika , fa ze miasa tany dra tokony hiasa amin'gny fanatena, dra ze mively dra tokony hively amin'gny fanatena gny hahazo azara amin'gny vokasy. 11Raha namafy raha ara-pagnahy teo amindrareo zahay. moa be loasy aminay se gny hanapaha raha ara-materialy aby amindrareo?12Raha mampihasy anizay zo zay avy amindrareo reo hafa, moa se zahay sy mana mihoasy? Dre dra zay avo, sy nitaky anizay zo zay zahay. Fa dra , naleonay niarisy gny raha iaby manahaky ze ho saka ho agny filazasaran'i Kristy. 13Moa se sy fatasindrareo fa reo ze manopo ao amin'gny fiangona dra mahazo gny sakafon'ereo aby ao amin'gny fiangona? Dra moa se sy fatasindrareo fa reo ze manopo egny amin'gny alitara dra mahazo azara amin'izay natao fagnatisy teo amin'gny Alitara? 14Manahaky anizay koa, gny Topo dra nandidy fa reo ze mitory gny filazasara dra tokony hahazo gny fiveloman'ereo laha tamin'gny filazasara.15Nefa sy nitaky gny raiky tamin'ereo zo reo zaho. Dra sy manorasy an'izao zaho ba mety hisy raha hatao ho anahy. Aleoko maty toy zay hisy olo hikizaky anahy zay rehareha zay. 16Fa raha mitory gny filazasara zaho, dra sy hisy atony tokony ireharehako, satria sy maisy manao anizay zaho. Dra loza ho anahy raha sy mitory gny filazasara zaho!17Fa raha manao anizay asitrapo zaho, dra mana valisoa. Fa raha sy asitrapo koa, dra bo mana gny andraikisy ze nakiny taminahy . 18Ino se gny valisoako? Zay dra gny fa mitory zaho, dra afaky manolosy gny filazasara sy misy fandoavam-bola ka ba sy hampiasa gny zoko amin'gny filazasara.19Fa na afaky amin'gny raha iaby avo zaho, dra avy ho mpanompo ho agny iaby, ba hahazoako maromaro . 20Teo amin'gny Jiosy dra lasa manahaky gny Jiosy zaho, ba hahazoako gny Jiosy. Teo amin'ereo ze ambanin'gny lalana, dra lasa manahaky gny olo ze ambanin'gny lalana zaho ba hahazoako reo ze ambanin'gny lalana. Nanao anizay zaho na dra sy teo ambanin'gny lalana avo gny vatako. [ Fanamariha: Gny baiboly ULB vo gny UDB dra mivaky ho:''Nanao anizay zaho na dre sy teo ambanin'gny lalana avo gny vatako.''Gny dika-zaka taloha sasany dra sy magnisy anizay.]21Tamin'ereo ze ambaliky gny lalana, dra nazary olo ambaliky gny lalana zaho, dre dra sy ambaliky gny lalan'Agnahary avo gny vatako, fa ambanin'gny lalan'i Kristy. Nanao anizay zaho ba hahazoako reo ze ambanin'gny lalana. 22Teo amin'ereo malemy dra lasa malemy zaho, ba hahazoako gny malemy. Avy gny raha 9iaby ho agny olo iaby zaho, ba hamozeko gn'ilany amin'gny fomba iaby. 23Manao gny raha aby zaho ho agny filazasara, ba hafahako mandramby azara amin'ireo fitahian'izay.24Moa se fatasindrareo fa amin'gny fahazakazaka raiky gny mpihazakazaky iaby dra manao gny filomelomesa, nefa raiky avo gny mahazo gny loka? Koa milomelomesa ba hahazo gny loka. 25Gny atileta raiky dra mampihasy gny fifeheza-vata amin'gny fagnazara-vatany iaby . Manao anizay ereo ba handramby satro-boninahisy ze mety simba, kanefa koa isika milimalomay ba hahazoasika satro-boninahisy sy mety simba. 26Ka noho zay dra sy milomalomay amin'gny misy atony zaho na malemy totohondry amin'gny sioky. 27Fa feheziko gny vatako dra ataoko andevo, ba sy handa gny vatako, gny fa avy nandry tamin'gny hafa zaho.
Chapter 10

1Tiako ho fatasindrareo , ry rahalahy , fa gny rasika dra tao amban'gny raho avo koa dra namakivaky gny ranomasy. 2Dra natao batisa iaby ho amin'i Mosesy tao amin'gny raho vo tao amin'gny ranomasy, 3dra gny iaby dra samy nihina sakafom-panahy mitovy. Dra nino ranom-panahy mitovy iaby. Fa ereo dra nino tamin'gny vatolam-pagnahy ze nagnaraky anazy reo, dra Kristy zay vatolampy zay.5Fa Zagnahary dra sy nakasitraky soa gny ankamaroan'ereo, dra gny fatin'ereo dra naparitsky tagny agn'efisy. 6Amizao reo raha reo dra ohasy ho asika, ba sy haniriasika raha-rasy manahaky gny nilan'ereo.7Ka mampono sapy, manahaky gn'ilany tamin'ereo. Zay dra araky ze voasorasy ho:''Reo olo nipetraky ba hihina vo hino, dra nisanga ba hihira.''8Ao isika sy hizangazanga , manahaky gny nataon'gny maro tamin'ereo. Tao agnatin'gny andro raiky, dra olo telo arivo vo ro aly gny maty nohon'gny amin'izay.9Ao avo koa isika sy hisapa an'i Kristy , manahaky gny nataon'gny maro tamin'ereo ka naringan'ereo manarana. 10Ka mimenomeno avo koa , manahaky gny nataon'gny maro tamin'ereo ka naringan'gny azelin'gny fahafatesa.11Dra reo raha reo gny nisanga tamin'ereo ba ho ohasy ho asika. Nosorata ba ho fampianara asika izy io-ho amisika ze niavian'gny faran'andro. 12Noho zay ao ze mieriserisy gny vatany ho fa misanga mitandry soa ba sy ho lavo. 13Sy nisy fakam-pagnahy nahatrasy andrareo ze sy iresan'olombelo iaby. Fa dra, Zagnahary dra mahatoky . Sy hamela andrareo ho alam-pagnahy mihoasy ze zakandrareo Izy. Miaraky amin'gny fakan-pagnahy dra hagnome andrareo gny lala hisoaha avo koa Izy, ba hafahandrareo miarisy zay.14Noho zay, ry malalako, milomesa lavisy gny fanompoa-sapy . 15Mizaka amindrareo manahaky gny olo mana-say zaho, ba hafahandrareo misara ze zakako. 16Gny kapoakin'gny fisaora ze isaorasika, moa se zay sy fiombogna amin'gny ran'i Kristy? Gny mofo ze vakisika, moa se zay sy fiombogna amin'gny vatan'i Kristy? 17Satria raiky avo gny mofo , isika ze maro dra vata raiky. Isika iaby dra mandramby amin'gny mofo raiky igny.18Hatio reo vahoakin'Israely: moa se reo ze hinina reo fagnatisy sy mpandray azara eo amin'gny alitara? 19Ino gny ho zakako? Hô sy misy dikany se gny sapy? Sa gny sakafo ze natao fagnatisy tamin'gny sapy gny sy misy dikany?20Fa miresaky momban'gny raha ze ataon'ereo zetilisa mpanompo sapy fagnatisy zaho, fa omen'ereo an'ireo demonia reo raha reo fa sy an'Agnahary. Sy tiako andrareo ho mpiombo amin'gny demonia! 21Sy afaky mino gny kapoakin'gny Topo vo gny koapoakin'gny demonia andrareo. Sy afaky miray eo amin'gny latabasy gny Topo vo gny latabasin'ereo demonia andrareo. 22Sa manao ze mahasaro-piaro gny Topo se isika? Mahery noho Izy se isika?''23Gny raha iaby dra ara-dalana,''fa sy gny raha iaby gny mahasoa. ''Gny raha iaby dra ara-dalana,''fa sy gny raha iaby gny mampandroso gny olo. 24Sy misy tokony hitalia gny tombosoany manoka. Fa dra, gny kirairaiky dra tokony hitalia gny tombosoan'gny namany.25Afaky mihina anizay avily iaby egny asena andrareo, fa ka magnontany gny fieresereta. 26''An'gny Topo gny tany,vo ze misy eo aminazy iaby.''27Raha misy sy mpino manasa andrareo hisakafo, ka magniry gny handeha andrareo , dra hano ze mipetraky eo anoloandrareo iaby ka mametra-pagnontania gny amin'gny fieresereta,28Fa raha misy mizaka aminao ho: ''Itiho sakafo itiho dra laha tamin'gny fagnatisy gny mpanompo saoy,''dra ka mihina anizay. Zay dra agny nampahafatasy andrareo, vo ho agny fieresereta. [ Fanamariha:Gny dika-zaka taloha sasany dra magnapy ho:''Fa gny tany vo gny raha iaby ao aminazy dra an'gny Topo.''Fa gny dika-zaka soa be dra sy misy zay.] 29Sy mizaka zaho hô gny fiereseretanao manoka, fa gny fiereseretan'gny olon-kafa. Nanao akory gny fahafahako gny tokony ho sarain'gy fiereseretan'gny hafa? 30Raha mandray azara amin'gny sakafo am-pakasitraha zaho, nanao akry gny tavetave amin'izay nagnomezako fisaora?31Noho zay, na mihina na misotro andrareo, na ino na ino ataondrareo, dra ataovy ho voninahisin'Agnahary avo koa. 32Ka magnome fanafitohy gny Jiosy na gny Grika, na gny fiangonan'Agnahary. 33Miezaky gny hahafaly gny olo-iaby amin'gny raha iaby zaho. Sy mitalia gny tombosoako zaho, fa gny agny maro. Ataoko anizay ba ho voavozy ereo.
Chapter 11

1Alao tahaky zaho, manahaky anahy pangalatahaky an'i Kristy. 2Dra midera andrareo zaho satria mahasiaro anahy amin'gny raha iaby andrareo. Midera andrareo zaho satria mita fatrasy gny fombafomba araky ze nanolorako anazy reo teo amindrareo andrareo. 3Dra tiako ho azondrareo fa Kristy gny lohan'gny lelahy iaby, fa gny lahy gny lohan'gny ampela, dra Zagnahary gny lohan'i Kristy. 4Dra mangalaky voninahisy gny lohany reo lelahy ze mivavaky na maminany ka misaron-doha.5Fa mangalaky voninahisy gny lohany reo ampela ze mivavaky maminany sy misaron-doha. Fa sy hafa dra mitovy amin'gny ho ampela magnarasy gny lohany anizay. 6Fa raha sy misaron-doha gny ampela , dra tokony tapahy ho bory gny volony. Raha mahamegnasy gny ampela gny manapaky gny volony dre gny magnarasy gny lohany , dra ao izy hanaro gny lohany.7Fa sy tokony hanaro gny lohany gny lelahy, satria izy gny sary no voninahiin'Agnahary gny lelahy. 8Fa gny lelahy dra sy natao laha tamin'gny ampela. Fa dra, gny ampela gny natao laha tamin'gny lelahy.9Fa sy misy lelahy noforogny ho an'gny ampela . Fa dra, gny ampela gny noforogny ho an'gny lelahy. 10Zay gny tokony hanagnan'gny ampela gny mariky gny fahefa eo amin'gny lohany, noho reo azely.11Na zay avo, ao amin'gny Topo, sy mahaleo-tegna amin'gny lelahy gny ampela, na gny lelahy mahavi-vata amin'gny ampela. 12Fa raha laha tamin'gny lelahy gny ampela, dra gny lelahy koa dra laha tamin'gny ampela. Dra laha tamin'agnahary gny raha-iaby.13Sarao gny vatandrareo: Mety amin'gny ampela se mivavaky amin'Agnahary sy misaron-doha? 14Sy gny natiora mihisy avo se gny mampianasy andrareo fa raha gny lelahy gny lava vola, dra fahafaham-baraka ho anazy avo? 15Sy mampianasy andrareo se gny natiora fa raha gny ampela gny lava volo, dra voninahisy ho anazy zay? Fa nome anazy gny volony ba hanarogna anazy. 16Fa raha misy te-hialy hevisy amin'izay , dra sy mana fampihara hafa izahay, na reo fiangonan'Agnahary.17Fa agnatin'ereo torolala magnaraky, dra sy midera andrareo zaho. Fa gny miara-kavy andrareo ,dra sy ho amin'gny soa zay fa ho amin'gny rasy indrindra. 18Fa tamin'gny volohany be , dra reko fa gny miaraky miango ao amin'gny fiangona andrareo, dra misy fizarazara eo amindrareo, dra mino anizay amin'gny ampahany zaho . 19Fa sy maisy misy fisitokotoka eo amindrareo, ba hakasitraha eo amindrareo ze nagneo.20Fa gny miango andrareo, dra sy gny Fanahin'gny Topo gny hoandrareo . 21Fa gny mihinana andrareo, dra samy mihina gny sakafony manoka gny kirairaky alohan'gny hisakafoan'ereo hafa. Resy gny raiky, sady gny hafa nazary mamo. 22Sy mana tragno ihinana vo hinoma se andrareo? Ho sinosinondrareo se gny fiangonan'Agnahary ka hahetrinandrareo ze sy mana dre ino dre ino ? Ino gny tokony ho zakako amindrareo? Tokony andrareo se zaho? sy hidera andrareo amin'izay zaho!23Fa nirambesiko laha tamin'gny Topo avo koa ze ampitako andrareo, fa Jesosy Topo, tamin'gny hariva ze namadiha Anazy, dra nangalaky mofo. 24Gny fa avy nisaotra Izy ,dra nanapaky anizay dra nizaka ho: ''Itiho gny vatako, ze ho andrareo . Atovy anizao ho fahasiarova Anahy.''25Mitovy amin'izay koa dra nirambesiny gny kapoaky gny fa avy nisakafo tamy hariva , dra nizaka Izy ho:''Itiho kapoaky itiho gny faneke vaovao ao amin'gny lioko. Atovy anizao dre ombia dre ombia gny mino, ho ho fahasiarova Anahy.''26Amin'gny fotoa aby ze hinanandrareo itiho fo itiho vo hinomandrareo amin'itiho kapoaky itiho, dra magnambara gny fahafatesan'gny Topo mandra-piaviny andrareo.27Na iza na iza, noho zay, mihinana gny mofo na minoma amin'gny kapoakin'gny Topo amin'gny fomba sy mendreky, dra ho ory gny amin'gny vata vo gny lion'gny Topo. 28Ao handiniky gny vatany aloha gny olo, dra amin'izay dra ao hihina gny mofo dra hino amin'gny kapoaky izy. 29Fa ze mihina vo mino dra sy mahafatasy gny vatany, dra mihinana vo minoma fisarea ho an'gny vatany. 30Zay gny mahavy gny maro amindrareo ho osa vo marary, dra gn'ilany amindrareo ho maty.31Fa raha mandini-vata isika, dra sy ho saray. 32Fa gny voasaran'gny Topo isika, dra mpagnara-dala, ba sy ho voaheloky miaraky amin'izao totolo zao.33Noho zay, ry rahalahiko, gny fa miango ba hihina andrareo, dra mifampiandrasa. 34Raha misy olo raiky resy, ao izy hihina agny an-tragno, amin'izay gny fa miangona andrareo dra sy ho amin'gny fisara zay. dra mahakasiky gny raha hafa ze nisoratandrareo, dra hagnome toro-lala zaho gny fa avy.
Chapter 12

1Momba ngny fagnomezam-pagnahy , ry rahalahy, dra sy tiako sy ahafatasy andrareo. 2Fatasindrareo fa bo andrareo mpanompo sapy, dra voavily nagnangny amin'ereo sapy sy manam-peo andrareo, tagny amin'izay lala nitariah'ereo andrareo iaby. 3Noho zay tiako ho fatasindrareo fa sy misy olo ze mizaka amin'gny Fagnahin'Agnahary afaky mizaka ho:''Jesosy dra voaozo. ''Sy misy afaky mizaka ho: ''Jesaosy dra Topo,'' afa-sy amin'gny alalan'gny Fagnahy Masy.4Dra misy fagnomezam-pagnahy samihafa, fa Fagnahy mitovy avo, 5Misy fanompoa samihafa, fa Topo mindray avo; 6dra misy karazan'asa samihafa, fa Zagnahary mitovy avo gny manao anazy reo ho azo amin'gny kirairaiky.7Dra ho agny kirairaiky gny nome gny fanehoa ambalikin'gny Fagnahy ho an'gny tombosoa iaby. 8Fa ho an'gny olo raiky dra nome laha tamin'gny Fagnahy gny zakan'gny Fahalala amin'gny alalan'gny Fagnahy mitovy avo.9Ho an'gny raiky hafa dra nome gny finoa amin'gny alalan'gny Fagnahy mitovy, dra ho an'gny raiky hafa reo fagnomezam-pahasoava hagnasitrana amin'gny alalan'gny Fagnahy raiky. 10Ho an'gny raiky hafa dra nome reo asan'gny hery , dra ho an'gny raiky hafa faminania. Ho an'gny raiky hafa dra nome gny fahafaha magnavaky gny fagnahy, ho an'gny raiky hafa gny karaza fizaka samihafa, dra ho an'gny raiky hafa gny fandika zaka. 11Fa gny Fagnahy raiky vo mitovy avo gny miasa ao amin'izay iaby zay, magnome gny fagnomezam-panahy an'gny olo kirairaiky aby, araky ze nifiliny.12Satria gny vata dra raiky sady mana rasany maro iaby dra rasan'gny vata avo, noho zay dra miaraky amin'i Kristy zay.13Fa tamin'gny alalan'gny Fagnahy raiky gny nanova batisa asika iaby ho vata raiky, dre gny Jiosy dre gny Grika, dre voafehy dre afaky , iaby dra natao ba hinoma amin'gny Fagnahy raiky.14Fa gny vata dra sy rasa toka, fa maro.15Gny mizaka gny tomboky ho:''Satria sy tana zaho, dra sy rasa amin'gny vata zaho,''zay dra sy masaiky amin'gny rasan'gny vata ra.16Dra raha gny sofy gny hizaka ho: ''Satria sy maso zaho , dra sy rasa amin'gny vata zaho,''zay dra sy masaiky amin'gny rasam-bata avo. 17Raha maso gny vata iaby , dra ho eza gny fahareza? Raha sofy gny vata iaby, dra ho eza gny fanimboloana?18Fa Zagnahary nandamy gny rasan'gny vata kirairaiky araky gny namorognany anizay. 19Raha rasa mitovy avo izy iaby, eza gny hisy gny vata? 20Ka zao dra rasa maro ereo, fa vata raiky avo.21Gny maso sy afaky mizaka amin'gny tagna ho:''Sy misy italiavako anao.''Na gny loha sy hizaka amin'gny tomboky ho:''Sy misy italiavako anao. ''22Fa gny rasa amin'gny vata ze miboaky ho malemy be dra tena taliavy, 23dra gny rasan'gny vata ze heverisika laza lahibe reo , dra gny rasasika sy ampiseho dra mana fahamendreha mihoasy . 24Dra gny rasasika favoaky dra sy mila andesy amin'gny fahamendreha, fa reo dra fa mana fahamendreha , fa reo dra mana fahamendreha. Fa Zagnahary nampikamba gny rasa iaby miaraky , dra izy nagnome laza an'ereo ze sy apy zay.25Nanao anizay Izy sy hisy fisaraha eo amin'gny vata, fa ba hifampikarakara amin'gny fitiava mitovy gny rasa. 26Noho zay gny fa mizaly gny rasa raiky, dra miara-mizaly gny rasa iaby; dre fa gny omen-daza gny rasa raiky, dra miara-mifaly gny rasa iaby . 27Dra andrareo dra vatan'i Kristy dra rasa amin'izay gny kirairaiky.28Dra Zagnahary nanendry tao amin'gny fiangona apostoly aloha, faharo reo mpaminany, fahatelo gny mpampianasy, laha teo reo ze manao asa mahalasa , laha teo fagnomezam-pahasoava hagnasitra, reo ze magnome fagnapia, reo ze manao gny asan'gny fitatanan-draharaha, dra reo ze mana karaza fizaka samihafa. 29Apostoly se izy iaby? Mpaminany avo koa se? Mpampianasy avo koa se? Manao asa mahalasa avo koa se iaby?30Mana fagnomezam-pagnahy hanasitra se izy iaby? Mizaka amin'gny fizaka sy fatasy se izy iaby? Mandika zaka seizy iaby? 31Taliavo fatrasy reo fagnomezam-pagnahy lahibe . Fa hampiseho andrareo lala soasoa zaho.
Chapter 13

1Dre dra atao hô mizaka amin'gny fizakan'ereo olo vo reo azely avo zaho. Fa raha sy mana fitiava , dra manahaky gny vy magneno na kipaso mikarasam-peo zaho. 2Dre dra atao hô mana fagnomen'gny faminania dra mahafatasy reo misitery vô fahalala iaby avo zaho, dra mana gny finoa afaha mamindra gny tendrombihizy iaby. Fa raha sy manam-pitiava, dra sinosino zaho. 3Dre dra hô magnome anizay iaby anagnako hamahana gny mizaly aza zaho, dra manolosy gny vatako ho oroa. Fa raha sy manam-pitiava, dra sy mahazo ndre ino dre ino zaho. [Fanamariha: Gny ULB vo gny UDB dra samy mana dika-zaka maro, mivaky manahaky anizao hô:''Homeko ba ho oroa gny vatako.''Gny dika-zaka gn'ilany dra mivaky hô:''Homeko gny vatako ba ho reharehako.]4Gny fitiava dra mahari-po sady soa fagnahy. Gny fitiava dra sy misiririsy dre mirehareha. Sy miavo 5na manao ze sy mahamendriky. Sy tia tegna. Sy mora ory, na mitanisa fahadisoa.6Sy mifaly amin'gny sy fahamarigna. Fa dra, mifaly amin'gny fahamarigna. 7Gny fitiava dra mandefisy gny raha iaby, mino gny raha iaby, matoky raha iaby, dra maharisy gny raha iaby.8Sy ho tapisy mandrakizay gny fitiava. Raha misy faminania, dra ho levo reo. Raha misy fizaka amin'gny zaka fahalala, dra ho levo zay. 9Fa isika dra mahafatasy amin'gny ampahany dra maminany amin'gny ampahany. 10 Fa gny fa avy gny tena lafasy,dra ho levo ze sy tateraky.11Tamy zaho bo zaza, dra niresaky manahaky gny zaza, nisay manahaky gny zaza. Gny fa lahibe zaho, dra nangako gny fahazaza. 12Fa amizao isika dra mahita sy mivata amin'gny fitarasy, fa rahatrisy dra hifagnatri-tava. Amizao zaho dra mahafatasy amin'gny ampahany, fa laha teo zaho dra hahafatasy tateraky manahaky gny nahafatara anahy tateraky. 13Fa amizao dra tahoky telo tahoky gny mitoesy: gny finoa , gny fanatena rahatrazay ,dra gny fitiava. Fa gny lahibe indrindra amin'ereo dra gny fitiava.
Chapter 14

1Mitaliava fitiava sady mana zotom-po amin'ereo fagnomezam-pagnahy, indrindra fa gny ba haminaniandrareo. 2Fa ze mizaka amin'gny fizaka sy fatasy dra sy miresaky amin'gny olo fa amin'Agnahary. Fa sy misy mahazo anazy satria miresaky raha-miafy ao amin'gny Fagnahy izy. 3Fa ze maminany dra miresaky amin'gny olo ba ho fampioregna anazy reo, ho fampirisiha anazy reo, dra fampionogna anazy reo. 4Ze mizaka amin'gny fizaka sy fatasy dra magnory gny vatany, fa ze maminany dra magnory gny fiangona.5Amizao dra magniry andrareo iaby hizaka amin'gny fizaka sy fatasy zaho. Fa bo mihoasy noho zay avo, magniry zaho gny haminaniandrareo. Ze magniry dra lahibe noho ze mizaka amin'gny fizaka sy fatasy ( raha sy ho misy olo raiky mandika zaka dra ba mety hioregnan'gny fiangona).6Fa amizao , ry rahalahy, raha avy eo amindrareo amin'gny fizaka sy fatasy zaho, ino gny tombosoa omeko andrareo amin'izay? Sy afaky zaho, raha sy ho miresaka amindrareo amin'gny fagnambara, dre fahalala, dre faminania, dre fampianara.7Raha mamoaky feo gny raha-magneno sy managn'ay-tahaky gny sodina na lokanga-dra sy mamoaky lantom-peo samihafa rep, nanao akory gny hahafataran'gny olo ze melodia aboakin'gny sodina na gny lokanga? 8Fa raha manao feo hafahafa gny trometra, nanao akory gny hahafataran'gny olo gny fa fotoa hiomana amin'gny aly? 9Ka manahaky anizay avo koa gny amindrareo. Raha sy mazava gny zaka zakany gny vavandrareo, nanao akory gny hahafataran'gny olo ze raha zakandrareo? Hizaka andrareo, dra sy hisy hahazo andrareo.10Misy fizaka maro samihafa eto amin'izao totolo zao, dra sy misy amin'io gny sy misy dikany. 11Fa raha sy mahafatasy gy dikan'gny fizaka raiky zaho, dra ho vahiny amin'izay zaka zay, dra ze mizaka ho vahiny aminahy .12Tahaky anizay avo koa gny amindrareo. Satria magniry fatrasy gny fihesehan'gny Fagnahy drareo, dra mana zotom-po ba hiroborobo amin'gny fagnoregna gny fiangona. 13Noho zay mizaka amin'gny fizaka sy fatasy dra tokony hivavaky ba hafahany mandika zaka. 14Fa raha mivavaky amin'gny fizaka sy fatasy zaho,dra mivavaky gny fagnahiko, fa gny saiko sy mamoa.15Ino gny tokony ho ataoko? Hivavaky amin'gny Fagnahiko zaho, fa hivavaky amin'gny Fgnahiko zaho, dra hihira miaraky amin'gny saiko avo koa. 16Raha sy zay, raha midera an'Agnahary miaraky amin'gny Fagnahy andrareo, nanao akory gny hizakan'gny vahiny ho:''Ameny'' fa gny magnome fisaora anao raha toa ka sy fatany ze zakanao.17Fa anao dra tena magnome fisaora soa avo , fa gny olon-kafa sy miory. 18Misaosy an'Agnahary zaho fa mizaka amin'gny fizaka sy fatasy mihoasy noho andrareo iaby. 19Fe fa agny am-piangona dra aleoko mizaka zaka dimy araky gny fahazoako ba hafahako mampianasy gny hafa , manahakay anizay zaka hariva raiky amin'gny fizaka sy fatasy.20Ry rahalahy, ka zaza amin'gny fihevisy drareo. Fa dra , raha amin'gny rasy, dra manova tahaky gny zaza. Fa amin'gny fihevisindrareo dra ao ho matosy andrareo. 21Ao amin'gny lalana dra voasorasy hô: ''Amin'gny alalan'gny olo hafa fizaka vo amin'gny alalan'gny sogniny vahiny dra hiresaky amy tahôky olo tahôky zaho. Na dra sy hahare avo ereo,''hoy gny Topo.22Noho zay gny fizaka sy fatasy dra famatara , sy amin'ereo mpino, fa amin'ereo sy mpino. Fa gny faminaniana koa dra ho famatara, sy ho an'ereo sy mpino, fa ho an'ereo mpino. 23Noho zay, raha toa ka, miara-miango gny fiangona iaby sady mizaka amin'gny fizaka sy fatasy avo koa, dra milisy gny vahiny vo sy mpino, sy ho zakan'ereo fa mola se andrareo?24Fa raha naminany avo koa andrareo iaby ka nisy sy mpino na vahiny nilisy, dra ho resy lahasy amin'izay aby henony izy. Ho sara amin'gny alalan'izay voazakany iaby izy. 25Ambara gny siambaratelo ao am-pony. Volasin'izay , handohaliky izy dra hisaoky an'Agnahary, Hagnambara izy fa tena eo amindrareo Zagnahary.26Ino zay gny magnaraky, ry rahalahy/ Gny fa tafaray andrareo, gny kirairaiky dra mana salamo, fampianara , fagnambara, fizaka sy fatasy, na fandika-zaka. Atovy gny raha-iaby ba hagnoregnandrareo gny fiangona. 27Raha misy mizaka amin'gny fizaka sy fatasy, angao hisy rô na farafahabeny telo eo, dra mandeha kirairaiky, laha teo dra tokony hisy raiky handika gny zaka ze voaresaky. 28Fa raha sy misy mpandika zaka, angao gny kirairaiky amin'ereo hiata fahangina ao am-piangona. Angao gny kirairaiky hiresaky mitoka amin'gny vatany vô amin'Agnahary.29Angao hizaka gny mpaminany ro na telo, dra angao reo hafa hiteno amin'gny fahaiza-magnavaky ze voazaka. 30Fa raha misy fahita ome ze mipetraky eo amin'gny fanopoa, angao hangina gny raiky ze nizaka.31Fa gny kirairaky amindrareo dra afaky mifandimby maminany ba hafahan'gny kirairaiky mianasy dra ba hahery iaby. 32Fa gny fagnahin'ereo mpaminany dra eo ambanin'gny fagnaraha-mason'ireo mpaminany. 33Fa Zagnahary dra sy Zagnahary gny fikorotagna, fa gny fiadana. Zay gny fisipiky ho an'ereo fiangonan'ereo mpino iaby.34Gny ampela dra tokony sy hareviky am-piangona,. Satria sy mahazo alala hizaka ereo. Fa dra, tokony hegneky ereo, tahaky gny ambaran'gny lalana. 35Raha misy irin'ereo hianara, angao hagnontany gny valiny agny an-tragno ereo. Fa mahamegnasy ho an'gny ampela gny mizaka ao am-piangona. 36Laha tamindrareo se gny niavian'gny zakan'Agnahary? Andrareo raiky se gny voakasik'izay?37Raha misy mieriserisy gny vatany ho mpaminany na ara-pagnahy, dra tokony hagneky izy fa reo raha ze nisoratako amindrareo dra didin'gny Topo. 38Fa raha misy sy magneky anizay, dra aleo izy sy ho eke. [Fanamariha: Gny hamaroan'gny dika-zaka, ao agnatin'izay gny ULB vo UDB, dra mamaky ho:''Fa raha misy sy magneky anizay, dra ao sy ho eke izy.''Gny dika-zaka sasany taloha manao ho:''Fa raha misy sy mahay anizay , dra ao izy sy hahay anizay.'']39Dra amin'izay, ry rahalahy , magniria fatrasy gny haminany, dra ka mandrara an'iza na iza hizaka amin'gny fizaka sy fatasy. 40Fa angao gny raha-iaby atao araky gny tokony ho izy vo am-pilamina.
Chapter 15

1Amizao mampahasiahy andrareo zaho, ry rahalahy, gny amin'gny filazasara ze nambarako tamindrareo, ze nirambesindrareo vo ze hisanganandrareo. 2Amin'gny alalan'izay filazasara zay gny havoavozy andrareo, raha mihazo fatrasy amin'gny zaka nitoriako tamindrareo andrareo , raha sy ho ninonino avo.3Fa natoloso ho raha-lahibe volohany ho andrareo ze voaraiko avo koa: fa maty ho an'gny fahotasika Kristy araky gny Sorasy Masy,4dra nalevy Izy, dra Izy dra nisanga tamin'gny maty tamin'gny andro fahatelo araky gny Sorasy Masy.5Kristy dra niseho tamin'i Kafasy, dra laha teo tamin'ereo ro ambiny folo;6laha teo dra niseho draiky mandeha tamin'ereo rahalahy mihoasy gny dimazato Izy. bo velo gny ankamaroan'ereo, fa gn'ilany dra nimaty. 7Laha teo Izy niseho tamin'i Jakoba, laha teo tamin'ereo apostoly iaby.8Farany indrindra, dra niseho taminahy Izy, manahaky gny hô tamin'gny zaza vô teraky sy avy vola. 9Fa zaho gny masaiky indrindra amin'ereo apostoly. Zaho dra sy mendriky gny tokavy hô apostoly satria nagnendriky gny fiangonan'Agnahary .10Fa nohon'gny fahasoavan'Agnahary gny nahavy anahy , dra sy rava gny fahasoavany ato aminahy. Fa dra, niasa fatrasy noho izy aby . Nefa sy zaho zay, fa gny fahasoavan'agnahary ze miaraky aminahy. 11Noho zay na zaho na ereo, araky gny nitorianay dra araky zay gny ninoandrareo.12Amizao raha nambara fa Kristy dra nasanga tamin'gny maty, nanao akory gny hafahan'gn'ilany amindrareo mizaka fa sy misy gny fisangana amin'gny maty? 13Nefa raha sy misy gny fisangana amin'gny maty, dra sy nasanga avo Kristy; 14dra raha sy nasanga Kristy, dra rava gny fitorianay, sady rava avo koa gny finoandrareo.15Koa, dra hita ho vavolombelo diso momban'Agnahary zahay satria nizoro vavolombelo nanohisy an'Agnahary, nizaka ho nasangany Kristy gny fa sy nanao anizay Izy. 16Raha sy nasanga gny maty, dra Kristy avo sy nasanga; 17dra raha sy nasanga Kristy, dra rava gny finoandrareo sady dra bo ao amin'gny fahotandrareo andrareo.18Ze maty iaby ao amin'i Kristy dra fa levo avo koa. 19Raha amin'itiho fiaigna itiho avo gny anagnasika toky amin'gny ho avy ao amin'i Kristy , dra isika gny mampahonena indrindra amin'gny olo iaby.20Fa amizao dra fa nasanga tamin'gny maty Kristy, gny voloham-bokasin'ereo ze maty. 21Fa satria avy tamin'gny alalan'gny olo raiky gny fahafatesa, dra laha tamin'gny alalan'gny olo raiky avo koa gny nihavian'gny fisangana amin'gny maty.22Fa manahaky gny nahafatign'olo iaby tao amin'i Adama, dra ho velomy ao amin'i Kristy avo koa . 23Kanefa samy ao amin'gny filaharany manoka gny kirairaiky :Kristy , gny voloaham-bokasy, dra laha teo reo ze an'i Kristy dra atao velo amin'gny fiaviany.24Laha teo dra ho avy gny farany, gny fa homen'i Kristy ho an'Agnahary Ray gny fazakana. Zay dra gny fa handrava gny fisipiky iaby vo gny fahefa iaby dra gny hery Izy. 25Fa sy maisy mazaka Izy mandra-pametrany gny fahavalony iaby ao ambanin'gny tombony. 26Gny fahavalo farany ho haringa dra gny fahafatesa.27Fa ''Napetrany teo ambanin'gny tombony avo koa gny raha iaby.''Fa voazaka fa: ''Izy gny nametraky gny raha iaby,''dra mazava soa fa sy tafilisy ao agnatin'izay gny raiky nametraky gny raha iaby hagneky gny vatany. 28Fa gny magneky Anazy gny raha iaby, dra gny zanaky mihisy gny hagneky gny raiky ze nampagneky gny raha iaby ho Anazy. Hiseo zay ba ho izy aby ao amin'gny Zagnahary Ray .29Na koa ino gny taliava ze vita batisa ho an'gny maty? Raha sy nasanga mihisy gny maty, nanao akory ereo gny natao batisa ho an'ereo? 30Nanao akory seky, isika gny am-bavan-doza isan-dera?31Miatriky fahafatesa isan'andro zaho! Zay dra azo atoky tahaky gny fireharehako gny amindrareo, ze azoko ao amin'i Kristy Jesosy Toposika. 32Ino gny tombony azoko, laha tamin'gny fomba fagnatian'olombelo, raha nialy tamin'gny biby tao Efesosy zaho, raha sy nasanga gny maty? ''Ao isika hihina vo hino satria ho maty isika maray.''33Ka mety ho fitahy ho:''Manimba gny fisaigna soa gny naman-drasy .''34Mandiniha! Miagna am-pahamarigna! Ka manohy manota! Fa gn'ilany amindrareo dra sy mana fahalala an'Agnahary. Mizaka anizay ho amin'gny fahamegnarandrareo zaho.35Fa gny olo raiky hizaka ho:''Nanao akory gny nananga gny maty, dra amin'gny karaza vata ino gny hahavian'ereo?''36Sy mahay dre ino dre ino andrareo! Ze hafafindrareo dra sy hanomboky hitombo raha sy maty zay.37Ze nafafindrareo dra sy gny vata zay ho ho avy, fa tegnany avo, Zay dra mety hazary vary na raha hafa. 38Fa homen'Agnahary anazy gny vata araky ze safiliany, dra samy amin'gny vatany aby gny tegnany kirairaiky. 39Sy gny nofon'olombelo, dra hafa gny nofon'ereo biby, dra nofo hafa gny an'ereo voro, dra hafa gny an'gny hazandrano.40Misy avo koa gny vata agny an-dagnisy vo reo vatan'gny eto atany. Fa karaza raiky avo gny voninahisy gny vata agny an-dagnisy dra hafa gny voninahisy gny eto atany. 41Raiky gny voninahisy gny masoandro, dra hafa gny voninahisy gny volana. Fa gny vasia raiky miavaky amin'gny vasia raiky hafa amin'gny voninahisy.42Manahaky anizay koa gny fisangana amin'gny maty. Ze afafy dra mety simba, draze asanga dra sy mety simba. 43Afafy tamin'gny fahafaham-baraka zay; dra nasanga am-boninahisy. Afafy tamin'gny fahaleme zay; dra nasanga amin'gny hery. 44Afafy amin'gny vata voazagnahary zay; dra asanga ho vata ara-pagnahy. Raha misy vata voazagnahary, dra misy vata ara-pagnahy avo koa.45Dra fa voasorasy avo koa fa :''Lasa fagnahy velo Adama gny lelahy volohany''Gny Adama farany dra nazary Fagnahy magnome fiaigna. 46Fa sy gny ara-pagnahy gny avy volohany fa gny voazagnahary, dra laha teo gny ara-pagnahy.47Gny olo volohany dra laha tamin'gny tany, namboary tamin'gny botany. Gny olo faharô dra laha tagny an-dagnisy.48Tihô gny raiky namboary tamin'gny botany, manahaky anizay koa gny olo agny an-dagnisy, dra tahaky anizay avo koa reo ze laha tagny an-dagnisy. 49Tihô gny nandesasika gny pozin'gny olon'gny botany, dra hinday gny pozinin'gny olon'gny lagnisy avo koa isika.50Dra zao gny zakako, ry rahalahy, fa gny nofo aman-dra dra sy afaky gny handova gny fazakan'Agnahary. Na ze mety simba handova ze sy mety simba. 51Indro! Raha-mary mivony gny ho zakako andrareo ho: Sy ho maty avo koa isika iaby, fa hovany avo koa isika iaby.52Hiova isika amin'gny fotoa raiky, ao agnatin'gny indraiky mipi-maso, amin'gny trompetra farany. Hagneno gny trompetra, dra gny maty dra hasanga ho sy mety, dra hova isika. 53Fa itiho vata mety simba itiho dra sy maisy hignisy ze sy mety io, dra itiho vata mety maty itiho dra sy maisy hagnisy gny sy fahafatesa.54Fa gny magnisy gny sy mety simba itihô vata mety simba itihô, dra gny fa magnisy gny sy fahafatesa itihô vata mety maty itihô, dra ho avy amin'gny zaka ze voasorasy hô,''Voately tamin'gny fandresena gny fahafatesa.''55''Ry fahafatesa, eza gny fandresenao? Ry fahafatesa, eza gny fagnindroanao?''56Gny ota gny fagnindron'gny fahafatesa, dra gny herin'gny ota dra gny lalana. 57Fa isaora Zagnahary, ze magnome asika gny fandrese amin'gny alalan'i Jesosy Kristy Toposika!58Noho zay, ry rahalahy malalko, mioregna soa dra ka miozongozo. Miroboroboa mandrakariva amin'gny asan'gny Topo, satria fatasindrareo fa sy levo maiky gny asandrareo ao amin'gny Topo.
Chapter 16

1Dra mahakasiky gny fanangonam-bola ho an'ireo mpino, araky gny nanoroako lala gny fiangonan'i Galatia, dra manahaky anizay koa gny tokony ataondrareo. 2Amin'gny andro volohan'gny herignandro, dra tokony hanoka raha gny kirairaiky amindrareo dra hagnaza anizay araky ze vitandrareo. Manova anizay ba sy hisian'gny famoriam-bola fa gny avy zaho.3Fa gny avy zaho, dre iza dre iza ekendrareo, dra alefako miaraky amin'gny taratasy ba hanolorako gny fagnatisindrareo ho an'i Jerosalema. 4Raha mety aminahy avo koa gny mandeha, dra handeha hiaraky aminahy ereo.5Fa ho avy amindrareo zaho gny fa mandalo an'i Makedonia. Fa handalo an'i Makedonia zaho. 6Mety afaky hizano miaraky amindrareo zaho na mandrisy gny nara mihisy avo, ba hahafahandrareo magnapy anahy amin'gny liako, na eza na eza andehanako.7Fa sy magniry hahita andrareo mandrisy gny fotoa bory zao zaho. Fa manatena gny hitoesy maharitrarisy miaraky amindrareo, raha angan'gny Topo. 8Fa hizano ao Efesosy zaho mandra-pahavin'gny Pentakosta, 9fa vatrangara malalaky gny nisokasy ho anahy, dra misy fahavalo maro.10Dra gny fa avy Timoty, dra ezaho ba sy hatahosy izy miaraky amindareo, fa manao gny asan'gny Topo izy, tahaky gny ataoko. 11Ka angao hisy olo hanao sinosino anazy. Ampio izy amin'gny lalany amin'gny fiadabna, ba hafahany magneo aminahy. Fa manatena anazy ba ho avy hiaraky amin'ereo rahalahy zaho. 12Dra mahaksiky an'i Apolosy rahalihisika, dra nampirisiky anazy fatrasy zaho ba hamangy andrareo miaraky amin'ireo rahalahy. Fa bo sy vono tateraky gny ho avy izy zao. Na zay avo, ho avy izy gny fa mety gny fotoa.13Miambena, mizoroa soa amin'gny finoa, miasa tahaky gny lelahy, mahereza.
15Fatasindrareo gny fianakavian'i Stefanasy, fa izy reo gny niova fo volohany tao Asaia, dra ereo nametraky gny vatan'ereo ho amin'gny fanopoa reo mpino. Dra mampirisiky andrareo zaho, ry rahalahy, 16ba hagneky gny olo manahaky anizay vo amin'gny olo iaby ze magnapy amin'gny asa vo miasa miaraky aminay.17Mifaly amin'gny fahavian'i Stefanasy, Fortinatasy,dra Akaiosy zaho. Nameno gny sy naha-teo andrareo ereo. 18Fa namelombelo gny fagnahiko vo gny andrareo ereo. Ka noho zay, fataro gny olo manahaky anizay.19Gny fiangonan'i Asia dra manao veloma andrareo. Akali vo Pritsila dra manao veloma andrareo ao amin'gny Topo, miaraky amin'gny fiangona ze ao amy fonenan'ereo. 20Gny rahalahy iaby manao veloma andrareo. Mifanova veloma amin'gny oroky masina.21Zaho, Paoly, manorasy itiho amin'gny tagnako.22Raha misy olo sy tia gny Topo, engania ba ho voaozo izy. Hoavy , gny Toposika! 23Ho amindrareo anie gny fahasoavan'gny Jesosy Topo.24Ho amindrareo iaby gny fitiavako ao amin'i Jesosy Kristy. [Fanamariha:Gny dika-zaka taloha dra magnapy ho:''Ameny''Fa gny vaovaoo maro hafa, ao agnatin'gny ULB gny UDB, dra mangalaky anizay.]

2 Corinthians

Chapter 1

1Paoly , Apostoly raiky an'i Kristy Jesosy tamin'gny Sitrapon'Agnahary, vo Timoty rahalahisika, ho agny fiangonan'Agnahary ze ao amin'gny Korinto, dra ho an'ereo mpino manerana gny farisy Akaia aby. 2Ho amindrareo seky gny fahasoava dra gny fiadana laha tamin'Agnahary Rasika vo Topo Jesosy Kristy.3Ho dera seky gny Zagnahary vo gny Ran'gny Toposika Jesosy Kristy. Izy gny Ran'gny famindram-po iaby vo Zagnahary gny fampionogna aby. 4Zagnahary dra mampiono asika amin'gny fahoriasika mampiono reo ze ao agnaty fahoria. Isika dra mampiono reo hafa tahaky gny fampionogna ze nampiasan'Agnahary ampiono asika.5Fa tahaky gny hitomboan'gny fizalian'i Kristy nohon'gny aminay, gny hitomboan'gny fampionogna anay koa amy alalan'i Kristy . 6Fa raha nampahoria zahay, zay dra ho agny fampionogna vo famozea andrareo. Dra raha nampionona andrareo. Gny fampionogna andrareo dra mandaisy gny fa manam-pahareta hizara reo fizalia ze mitovy amin'gny fizalianay koa. 7Fa gny fahatokisanay momba andrareo dra azo atoky , satria zahay dra mahafatasy fa andrareo koa dra mizara reo fizalia, andrareo koa dra mizara fampionogna.8Fa sy tianay andrareo sy ahafatasy , ry rahalahy, gny amn'ireo olana nahazo anay tagny Asia. Zahay dra nivesariny tateraky mihoasin'izay tokony ho zakanay, maro loasy dra sy nanatena gny hiay ela sasy zahay. 9Teo aminay vatany gny fagnahia ho maty. Fa zay gny nahavy anay sy hametraky gny tokinay eo amin'gny vatanay avo , fa dra amin'Agnaharay ze mampisanga gny maty. 10Nagnavosy anay tamy loza mahafaty zay Izy,dra bo hagnavosy draiky . Zahay dra nametraky gny tokinay taminazy fa bo hagnafaky anay draiky Izy.11Izy dra hanao anizay satria andrareo koa dra magnapy anay amin'gny alalan'gny vavakindrareo. Dra maro laha teo gny hagnome fisaora amy agnarany noho gny tombom-pahasoava nome anay tamin'gny alalan'ireo vavaky gny maro.12Zahay dra mirehareha amin'izao: fisangana vavolombelo gny amy feon'gny fieriseretanay. Fa tamin'gny fikasa malio vo fahasoram-po ze avy amin'Agnahary ze nindesanay gny vatanay ao amin'izao totolo zao. Zahay dra nahavita anizay aby zay dra gny ankamaroany niaraky tamindrareo- sy tamin'gny fahendren'izao totolo zao, fa tamin'gny fahasoavan'Agnahary. 13Zahay dra sy nanorasy raha sy ho voavaky na ho azondrareo. Zaho dra manatena fa, 14satria andrareo nahazo gny momba anay amin'gny ampahany, zahay dra ho aton'gny reharehandrareo amy andron'i Toposika Jesosy, tahaky andrareo ho atony hireharehanay.15satria natoky gny momba anizay zaho, dra e ho agny amindrareo aloha, ba hahafahandrareo mahazo tombony amin'gny fisiliha ro.16Nioma gny hagnety andrareo gny fa tegny amin'gny lalako ho agny Makedonia zaho. Dra laha teo dra bo nagniry hagnety andrareo draiky zaho tamin'gny liako laha tagny Makedonia, dra gny ba hagnaterandrareo anahy tegny amy lalako ho agny Jodia .17Gny fa nieriserisy manahaky anizao zaho, nisalasala se zaho? Nagnoma gny raha reo araky gny nofo se zaho, ba izakako ''Eka,eka'' vo ''Haha, haha''amin'gny fotoa raiky avo/ 18Fa satria Zagnahary dra mahatoky , isika dra sy afaky gny hizaka dre ''Eka''dre ''haha.''19Fa gny Zanak'Agnahary, Jesosy Kristy, ze nitorian'i Sylvanosy, Timoty dra zaho tamindrareo, dra sy ''Eka'' dre ''haha''. Fa Izy dra nizaka avo ho ''eka''.20Satria gny fampanatenan'Agnahary aby dra ''Eka''avo koa ao aminazy. Dra amin'gny alalany koa isika dra hizaka ho:''Ameny''ho agny voninahisin'Agnahary.21Dra Zagnary ze magnamafy anay amindrareo ao amin'i Kristy, dra Izy gny nagniraky asika. 22Izy dra nagnisy tombo-kase tamisika dra nagnome gny Fanahy ho ao am-posika ho atok'izay bo ho omeny asika afara.23Fa nitoka an'Agnahary zaho, hisanga vavolombelo ho anahy ze atony sy nahaviako tao Korito ba hamindrako fo amindrareo. 24Zay dra sy sagnatria noho zahay miezaky gny mamehy ze tokony ho finoandrareo. Fa dra, zahay dra miara-miasa amindrareo amin'gny fifaliandrareo, satria andrareo misanga ao amin'gny finoandrareo.
Chapter 2

1Fa nanapa-kevisy gny sy agnato andrareo draiky gny vatako amin'gny fotoam-pangirifiria.2Raha niteraky alahelo andrareo zaho, iza gny afaky mampifaly anahy akoasin'izay raiky zay nitrasiriko avo?3Nanorasy zaho manahaky gny nataoko ba sy ho voarasin'ereo ze tokony nampifaly anahy gny fa avy tagny amindrareo. Izaho dra mana fahatokisa gny amindrareo aby fa gny fifaliako dra fifalia mitovy amin'gny andrareo iaby. 4Fa nanorasy ho andrareo zaho laha tamin'gny fahoria lahibe, miaraky amin'gny fangirifirian'gny fo, dra miaraky amin'gny ranomasom-be. Sy te ampalahelo andrareo zaho. Fa dra, te hampahafatasy andrareo gny alalin'gny fitiava ze anagnako ho andrareo.5Raha nisy olo niteraky alahelo , sy niteraky anizay taminahy avo izy , fa amin'gny endriky hafa-sy hagnitara loasy anizay-amindrareo aby. 6Apy gny fagnasazia nataon'gny maro agn'isa io olo io. 7Dra amizao raha tokony ho fagnasazia, andrareo dra tokony hamela heloky vo hampiono anazy. Atovy zay ba sy handifotrs anazy amin'gny alahelo be loasy.8Noho zay mankahery andrareo zaho ba hagnamafy ampihibe-maso gny fitiandrareo anazy. 9Zay gny atony nanoratako, amin'izay ba mety hisapako andrareo dra ahafatarako na makato amin'gny raha-iaby andrareo.10Raha mamela olo andrareo, mamela anizay olo zay koa zaho. Ze navelako -raha namela gny raha-iaby zaho-zay famela zay dra fitiava andrareo amin'gny fanatrehan'i Kristy. 11Zay dra ba sy hamitahan'gny Devoly anay. Satria zahay dra mahafatasy reo drafiny.12Nisokasy ho anahy gny vatrangara tamin'gny Topo gny fa avy tao amin'gny tana-dehibe an'i Troasy nitory gny filazasara an'i Kristy tagny. 13DRe zay aza, sy nana fiadana-say zaho, satria sy nahita gny rahalahiko Titosy tagny . Araky zay, niriosy anereo zaho dra nandeha nihery tagny Makedonia.14Fa fisaora seky ho an'Agnahary, ze ao amin'i Kristy mitariky anay mandrakariva ao amin'gny fandresena. Amin'gny alalasika dra haeliny na eza na eza gny hagnisy mamin'gny fahafatara anazy..15Fa zahay dra hagnisy mamin'i Kristy an'Agnahary, na teo amin'ereo ze nivoze vo teo amin'ereo ze ho maty.16Ho agny olo ze ho maty, dra hagnisy laha tamin'gny fahafatesa ho amin'gny fahafatesa. Ho agn'ilany ze nivoze, dra hagnisy laha tamin'gny fiaigna ao amin'gny fiaigna. Iza gny mendriky amin'ereo raha reo? 17Fa zahay dra sy mitovy amin'ereo olo maro ze mivarosy gny zakan'Agnahary ba ahazoa tombony. Fa dra,amin'gny fahaliovam-po, gny hiresahanay amin'i Kristy, satria nalefa laha tamin'Agnahary zahay, tao amin'gny fahitan'Agnahary.
Chapter 3

1Hanomboky hidera-vata draiky se zahay? Zahay dra sy mila reo taratasy fanamaria amindrareo na avy amindrareo , manahaky gny olo sasany, sa sy zay ? 2Gny vatandrareo gny taratasy fanamaharianay , ze voasorasy ao am-posika, ze fatasy dra vakin'olo aby .3Andrareo dra maneho fa taratasy fagnambara laha tamin'i Kristy ,ze natolosika . Zay dra sy voasorasy tamin'gny ranomety fa tamin'gny Fagnahin'Agnahary velo. Dra sy voasorosy teo amin'gny takela-bato, fa teo amin'gny takelaky gny fon'olombelo.4Dra zay gny toky anagnasika eo anatrehan'Agnahary amin'gny alalan'i Kristy. 5Isika dra sy mahefa amin'gny vatasika ba handray na ino na ino ze laha tamisika. Fa dra , gny fahefasika dra laha tamin'Agnahary. 6Zagnahary gny nanao asika ba ho mpanompon'gny faneke vaovao. Zay dra faneke sy avy amin'gny sorasy fa agny Fanahy. Fa gny sorosy mamono, dra gny Fanahy magnome ay.7Dra gny asa ze niteraky fahafatesa dra voasorasy teo agn'abonin'gny vato dra avy tamim-boninahisy lahibe dra gny vahoakin'Israely dra sy afaky niteno gny tavan'i Mosesy. Zay dra noho gny voninahisy gny tavany, gny voninahisy ze nihalevo. 8Ho vininahisy lahibe manahaky gny nanao akory gny asa ze ataon'gny Fanahy?Fa raha nana voninahisy gny asan'gny fagnameloha , dra hanao akory gny fitombon'gny voninahiny gny asan'gny fahamarina! 10satria ,ze nome voninahisy draiky mandeha dra sy hanam-boninahisy sasy amin'izay fomba zay, noho gny voninahisy ze mampitombo anizay. 11Fa raha ze nagnenga avo gny nana voninahisy , dra sy hana voninahisy mihoasy noho izay se ze maharisy!12Satria mana toky tahaky anizay isika, dra mahavany vatany. 13Isika dra sy tahaky an'i Mosesy, ze nanaro gny tarehiny tamin'gny voaly, ba sy hahafahan'gny vahoakin'Israely magnety anazy mivata amin'gny fiafaran'gny voninahisy ze nandalovany iaby.14Fa gny sain'ereo dra doto. Dre dra mandrak'amizao zay volay zay dra bo mizano eo amin'gny famakia gny faneke taloha. Sy misokaky zay, satria ao amin'i Kristy avi zay gny ala. 15Nefa dre dra amizao avo, dre ombia dre ombia gny vakia gny lalan'i Mosesy,dra manaro gny fpn'ereo gny voaly. 16Nefa raha mitoliky amin'gny Topo gny olo, dra ala gny voaly.17Dra gny Topo dra Fagnahy. Ze misy gny Fagnahin'i Topo,dra misy fahafahana. 18Dra isika aby, sy misarom-boaly, dra mahita gny voninahiny gny Topo. Isika dra fa voaova ho ao amin'gny voninahisy ho amin'gny voninahisy, ze laha tamin'gny Topo, ze sy iza fa gny Fanahy.
Chapter 4

1Noho zay, satria zahay mana anizay asa fanopoa zay ,dra vao nahazo famindram-po, dra kivy zahay. 2Fa dra, nindagnany reo fomba mahamegnasy vo mivony. Sy miay amin'gny fitaky zahay,dra mampiasa mary gny zakan'Agnahary. Amin'gny fanehoa gny mary,zahay dra mandidy gny vatanay gny amin'gny feon'gny fieriseretan'olo ba ho andesy eo amason'Agnahary.3 Fa raha voasaro gny Filazasaranay, dra ho voasoro amin'ireo ze maty io avo.4Amin'gny toe-draha misanga amin'ereo, gny zagnaharin'izao totolo zao nahapoaky reo say sy minon'ereo. Vokasy zay, sy afaky mahita gny fahazavan'gny filazasaran'gny voninahisin'i Kristy ereo,ze endrik'Agnahary.5Fa zahay sy manambara gny zakanay fa i Kristy Jesosy manahaky gny Topo, dra gny vatanay manahaky gny panoponondrareo nohon'gny amin'i Jesosy. 6Fa Zagnahary dra gny raiky ze nizaka ho:''Gny fahazava hamirasy ao amin'gny mezy.''Izy namirasy tao am-ponay,ba hagnome gny fahazavan'gny fahalalana gny voninahisi'i Aagnahary eo amin'gny fanatrehan'i Jesosy Kristy.7Fa zahay mana anizay hanagna zay ao agnaty boatela tanimanga, ba hazava fa gny hery lahibe mihoasy lavisy dra agn'Agnahary fa syanay. 8Ampahoria amin'gny fomba iaby zahay, fa sy resy. very hevisy zahay fa sy feno famoizam-po. Ezehy zahay fa sy nanga. Vono zahay fa sy rava. 10Mandesa eo amin'gny vatanay fgny fahafatesan'i Jesosy hatrany zahay, amin'izay gny fiaignan'i Jesosy avo koa dra niboaky eo amin'gny vatanay.11Zahay ze velo dra manday hatragny ao amin'gny vatanay gny fahafatesan'i Jesosy, amin'izay gny fiaignan'i Jesosy dra hiboaky eo amy vatanay olombelo. 12Noho zay gny fahafatesa dra miasa ao amisika, fa gny fiaigna miasa ao amindrareo.13fa zahay mana fagnahin'gny finoa mitovy araky ze voasorasy ho:14''Nino zaho, dra nizaka zaho.''Mino avo koa zahay, dra nizaka avo koa zahay. Fatasinay fa gny raiky ze nananga gny Topo Jesosy dra hananga gny asika avo koa miaraky amin'i Jesosy. Fatanay fa hinday anay miaraky amindrareo ao amin'gny fanatrehany Izy. 15Gny raha-iaby dra ho andrareo ba, araky gny fahasoava voaparitaky tamign'olo maro, gny hitomboan'gny fagnomezam-pisaora ao amin'gny voninahisin'Agnahary.16Noho zay dra sy ho kivy zahay. Na dra malemy ambaliky avo zahay, dra havaoziny isan'andro isan'andro gny ao agnatinay. 17Fa amin'izao andro mandalo zao, gny fahoria meva dra magnoma anay ho amin'gny lazan'gny voninahisy maharisy mandrakizay ze mihoasy gny fandaza iaby. 18fa isika sy magnety raha ze hita , fa reo raha sy hita. Gny raha ze mety hitasika dra sy mmaharisy , fa reo raha ze sy hita dra maharisy mandrakizay.
Chapter 5

1fatasika fa raha rava gny fonena eto an-tany ze ipetrahasika, dra mana tragno laha tamin'Agnahary isika. Zay dra tragno sy nataon'gny tagnan'olombelo, fa tragno mandrakizay, agnyan-dagnisy .2Fa eto amin'itohoky tragno lay isika gny miseto, magniry fatrasy gny hisikina gny fonenasika agny an-dagnisy . 3Magniry fatrasy anizay isika satria amin'gny fanovasika anizay dra sy ho hita mita asika.4Fa raha bo eto amin'itiho tragno -lay itiho tokoa isika, dra miay, mavesas'enta. Sy te hitana asika. Fa dra,te hagnisy isika, ba ho atelin'gny fiaigna ze mety maty. 5Gny raiky ze nagnoma asika ho amin'izay raha zay andrindra dra Zagnahary , ze nagnome asika gny Fagnahy ho fanambara ze ho avy.6Noho zay dra matokia hatrany. Tongava say fa gny fa ao antragno amin'gny vata isika, dra lavisy gny Topo. 7Fa mandeha amin'gny finoa isika, fa sy amin'gny fahita. 8Noho zay dra mana fahatokia isika. Aleosika lavisy gny vata fa ao an-tragno miaraky amin'gny Topo.9Dra ataosika tazo zay, na agny an-tragno isika na lavisy anizay, ba hahafanarisy Anazy. 10Fa isika aby dra sy maisy hiboaky eo alohan'gny seza fisaran'i Kristy, ba mety ahazoan'gny kirairaiky ze mifagnaraky amin'ireo raha-vita tao amin'gny vatana, dre ho amin'gny soa na ho amin'gny rasy.11Noho zay, gny fahafatara gny tahosy gny Topo, gny handresesika lahasy gny olo. Gny maha isika asika dra hitan'Agnahary mazava. Atenaiko fa mazava amin'gny feon'gny fiereseretanareo avo koa zay. 12Sy miezaky gny handresy lahasy andrareo draiky zahay ba hagnety anay tahaky gny mahisy fo. Fa dra ,magnome atony ho andrareo hirehareha nohon'gny aminay izahay, ba hanagnandrareo vali-zaka ho an'ereo ze mirehareha gny amin'gny endriky ambalikiny fa sy gny amin'izay ao am-po.13Fa raha levo lasa say izahay , dra ho agn'Agnahary zay; dra raha avy tonga say soa izahay, dra ho andrareo zay. 14Fa gny fitivan'i Kristy gny manery anay, satria azinay atoky gny ho:nisy olo raiky maty ho agny iaby, dra noho zay dra maty gny olo aby. 15Maty Izy ho agny olo iaby, ba sy ho velo ho agny vatan'ereo sasy reo ze velo fa ho Anazy ze maty dra nasanga nohon'gny fitiava anazy reo.16Noho zay atony zay, manomboky zao dra sy misara na iza na iza araky gny fomban'gny olombelo isika , dre dra fa nagnety an'i Kristy tahaky anizay avo isika taloha. fa amizao isika dra sy misara dre isa dre isa manahaky anizay sasy. 17Noho zay, raha misy olo ao amin'i Kristy , dra olom-baovao izy. Fa lasa gny raha taloha. Indreo, fa avy vaovao ereo.18Reo raha aby reo dra laha tamin'Agnahary. Nampihavaniny tamin'gny Vatany tamin'gny alalan'i Kristy isika, dra nomeny asika gny asa fanompoan'gny fampihavana.19Midika ho, ao amin'i Kristy Zagnahary gny mampihava zao totolo zao amin'gny Vatany, sy magnisa gny fahadisoan'ereo . Nahakiny taminay gny hafatry gny fampihavana.20Dra voatendry ho mpisolon-tegnan'i Kristy izahay , manahaky gny ho amin'gny alalanay gny hanovan'Agnahary gny fitokavany. Miangavy andrareo zahay , noho i Kristy:''Mihavana amin'Agnahary!'' 21Nataony avy soro ho agny fahotasika kristy. Izy gny raiky ze sy nanota mihisy. Nataony ze ba ho avy fahamarin'Agnahary ao aminazy isika.
Chapter 6

1Miara-miasa aminazy, zahay avo koa dra mampirisiky andrareo sy handray gny fahasoavan'Agnahary fahatany. 2Fa nizaka izy ho:''Tamin'gny fotoa mety dra niteno andrareo zaho, dra tamy andron'gny famozena dra nagnampy andrareo Zaho. Hatio, amizao gny fotoa mety. Hatio,amizao gny andro gny famozea.3Sy mametraky vato fanafitohina eo alohan'iza na iza zahay, fa zahay sy magniry gny haharasy laza gny asa fanompoanay.4Fa dra, izahay dra magnaporofo gny vatanay amin'gny asanay aby, fa panopon'Agnahary izahay. Izahay gny panopony amin'gny fiaretam-be, fahoria, fahatera, fahasarota,5reo kapoky , fanagadra, fikomia, amin'gny asa fatrasy, amin'ereo hariva sy misy torimaso, amin'gny hareseha, 6amin'gny fahaliova, fahalala, fahareta, fahasoram-po, amin'gny Fanahy Masy, amin'gny tena fitiava. 7Zahay gny panopony ao amin'gny zakan'gny fahamarina ,aoamin'gny herin'Agnahary. Zahay dra mana gny fiarovan'gny fahamarigna ho agny tagna havana vo gny havia.8Zahay dra miasa amin'gny voninahisy vo amin'gny fahafam-baraka, amin'gny fagnarasia vo gny fidera. Zahay dra voapanga ho pamitaky kanefa zahay dra mary . 9Zahay dra miasa manahaky anio sy misy mahafatasy io kanefa zahay dra bo fata-daza. Miasa manahaky gny ho maty zahay-hatio-bo miay . Miasa izahay manahaky gny sazia nohon'gny asanay nefa sy manahaky gny ho voaha fagnahia ho maty. 10Zahay dra miasa manahaky gny malahelo, kanefa dra mifaly lalandava. Zahay dra miasa manahaky gny mizaly, kanefa dra mampana-karena olo maro zahay. Miasa manahaky gny sy mana dre ino zahay kanefa manahaky gny mana gny raha iaby.11Zahay dra nizaka gny mary aby tamindrareo, ry Koritiana, dra gny fonay dra mivoha midagnadagna. 12Gny fondrareo dra sy nifehezinay, fa andrareo gny namehy reo fiheseham-pondrareo manoka.13Dra ho valiny ara-drariny miresaky amindrareo manahaky gny amin'gny mota zaho-sokafomidagnadagna gny fondrareo.14Ka mifamehy amin'ereo sy mpini. Fa ino gny iraisan'gny fahamarigna vo gny fandikan-dalana? Fa ino gny iarahan'gny mazava amy mezy? 15Ino gny mety ho fifagnaraha eo amin'i Kristy vo i Beliala? Dre ino gny tokony azara anagnan'gny mpino raiky vo amin'gny sy mpino raiky? 16Dra ino gny fifagnaraha misy eo amin'gny fiangonan'Agnahary vo gny sampy? Fa isika dra fiangonan'Agnahary velo, araky gny fa nizakan'Agnahary ho: ''Hitoesy eo amin'ereo zaho dra handeha eo amin'ereo . Zaho dra ho Zagnaharin'ereo dra Izy reo dra ho oloko.''17Noho zay,''Miboaha miala eo amin'ereo, dra mitokana, ''hoy gny Topo . ''Ka mikasiky raha maloto, dra Izaho handramby andrareo. 18Izaho dra ho raiky amindrareo, dra andrareo zanadahiko vo ho zanakapelako'', hoy gny Topo sitoha.
Chapter 7

Gny malalako, hatramin'gny nanagnasika gny zaka fikasa dra ao isika hagnalio gny vatasika amin'gny raha-iaby ze mahavy fahalotoa eo amin'gny vata vo fanahisika. Ao isika hikasaky gny fahamasigna amin'gny fatahora an'Agnahary.2Rambesy zahay ! Fa sy nanao rasy tamin'iza na iza. Sy nandrasy na nagnararaosy andrareo gny hizakako anizao. Fa nizakako fa ato amponay andrareo , fa miara-maty dra miara-velo isika. 4Mana fahatokia lahibe andrareo zaho, dra mirehareha nohon'gny amindrareo. Feno fampionona zaho. Mitobatobaky gny hafaliako dre dra eo avo gny fampahoria iaby.5Gny fa avy tagny Makedonia zahay, sy hanam-pizanogny gny vatanay. Noho zay, ory tamin'gny fomba aby zahay nohon'gny fifagnakania tambaliky agny, vo gny tahosy tao agnatiny. 6Fa Zagnahary, ze mapahery gny kivy, napahery anay tamin'gny fahavian'i Titosy. 7Sy tamin'gny alalan'gny fahaviany avo gny hampaherezan'Agnahary asika. Fa tamin'gny fapahereza ze nirambesin'i Titosy avy amindrareo. Mizaka asika izy gny amy haben'gny fitiandrareo, gny alahelondrareo anahy laliky . Ka hifaly mandrakizay zaho.8Dra nampalahelo andrareo aza gny taratasiko, dra sy nampanegny anahy zay. Fa nanegny tamin'izay zaho gny fa nahita fa nampalahelo andrareo gny taratasik. Fa nalahelo nandrisy gny fotoa bory andrareo. 9Amizao dra faly zaho, sy hô satria ory andrareo, fa satria gny alahelondrareo gny ninday andrareo ho amin'gny fibebaha. Andrareo dra niay gny fahoria ao amin'Agnahary, koa sy nisy levo gny nizaliandrareo ho anay. 10Gny fahoria ao amin'Agnahary dra minday amin'gny fibebaha gny ba hahatateraky gny famozena sy misy fanegnena. Na zay avo, gny alahelon'izao totolo zao, dra minday fahafatesa.11Hatio gny vokasin'gny halahiben'gny fikirizandrareo tamy fahoria ao amin'Aagnahary. Lahibe tokoa gny halahiben'gny fikiriza tao amindrareo ba hagnaporofoa fa sy mana-signy andrareo. Lahibe vatany gny halahiben'gny fahoriandrareo, gny tahosindrareo, gny alahelondrareo ahita gny fahamarigna ze tokony atao! Amin'gny raha-iaby dra nagnaporofo tamin'gny vatandrareo andrareo ba sy ho ory amin'izay raharaha zay. 12Na dra nanorasy tamindrareo avo zaho, Zaho dra sy nanorasy ho an'ereo mpanao rasy, dre ho agny raiky ze miharisy gny rasy. Nanorasy zaho ba tokony hampahafatara gny fahazotoandrareo teo aminay eo anatrehan'Aagnahary.13Tamin'gny alalan'izay gny nampahereza anay. Mihoasy nohon'gny fampahereza ze fa anagnanay, nihoa-papa gny fifaliany noho gny fifalian'i Titosy, satria gny fanahiny dra velombelo noho gny amindrareo aby. 14Raha dra nirehareha taminazy gny momba andrareo zaho, dra sy ba afa-baraka zaho. Mifanohisy amin'izay, reo raha iaby ze nizakanay tamindrareo dra mary avo koa, gny fireharehanay momba andrareo tamin'i Titosy dra voaporofo fa mary.15Gny fitiavany andrareo dra lahibe tokoa, manahaky gny nahasiarovany gny fakatoavandrareo aby, Endrey gny fandrambesandrareo anazy tamin'gny tahosy vo mangitikitiky tateraky tamindrareo.
Chapter 8

1Tianay ho fatasindrareo , ry rahalahy , gny momban'gny fahasoavan'Agnahary ze nome tao amin'ereo fiangonan'i Makedonia. 2Nandrisy gny fisapa lahibe amin'gny fahoria, gny fitobaky gny hafaliany vo gny fara-fahatran'ereo dra niteraky hanagnan-dehiben'gny falalan-tagna.3Satria misanga vavolombelo zaho fa nanao be arak'izay vitany ereo , dra mihoasy an'izay vitany avo. Dra tamin'gny sitrapon'ereo manoka 4vo niaraky tamin'gny fitalahoa fatrasy gny nangatahan'ereo taminay gny fahafaha ba hana azara amin'itiho asa fanopoa eo amin'ereo mpino itiho. 5Sy niboaky arak'izay natenay zay. Fa dra, nanolosy gny vatany mialoha tamin'Agnahary ereo. Dra nanolo-vata ho anay ereo tamin'gny sitrapon'Aagnahary.6Ka nampirisiky an'i Titosy zahay, ze fa nanomboky an'izay asa zay, ba hagnatateraky gny fahasoava eo amindrareo. 7Fa andrareo koa dra mana-kanagna amin'gny raha iaby, amin'gny finoa, amin'gny zaka, amin'gny falalana. amin'gny fahazotoa iaby, dra amingny fitiavandrareo anay. Koa atovy azo atoky ba hana-kanagna amin'izay asa fahasoava andrareo. [ Gny ULB vo gny UDB, miaraky amin'ireo dika-zaka maro hafa, dra mivaky manahaky anizao:''Ao amin'gny fitiavanao anay.''Gny dika-zaka hafa dra mivaky manahaky aniza:''Dra ao amin'gny fitiavanay andrareo'']8Sy mizaka manahaky gny didy zaho. Fa dra, mizaka zaho amin'gny fisangana gny fahamarignan'gny fitiavandrareo amy fampitaha anizay amin'gn zotom-pon'gny olo hafa . 9Satria fatasindrareo gny fahasoavan'gny Toposika Jesosy Kristy. Ka na nanan-kanagna avo izy, dra lasa majaly noho andrareo, koa amin'gny alalan'gny fahatra no mety ahazoandrareo hanagna.10Amin'izay resaky zay dra hagnome toro-hevisy andrareo zaho ze hagnapy andrareo. Heritao lasa zay, dra sy nanomboky nanao raha avo andrareo, fa nagniry gny manao avo. 11Amizao vitao zay, manahaky gny nisian'gny zotom-po so gny fagniria hanao anizay , dra enganie hagnatateraky anizay koa andrareo, arak'izay azondrareo hatao. 12Satria raha magniry fatrasy gny hanao anizay asa zay andrareo dra raha soa vo azo eke zay. Sy maisy mifotosy amin'izay hanagnan'gny olo raiky zay, fa sy ze sy anagnany.13Fa asa zay dra sy ba hagnameva gny hafa sady hagnavesasy andrareo. Fa dra, tokony hisy gny rariny. 14Gny hanagnandrareo amin'izao fotoa zao dra hagnome ze taliavin'ereo .Ka zay koa dra ba hagnomezan'gny hanagnan'ereo ze taliavindrareo. Dra ba agnomezan'ereo gny rariny 15Araky ze fa voasaorasy ho:''Gny raiky ze nana maro dra sy nana ambiny, dra gny raiky ze nana gny kely dra sy nana gny sy apy.16Fa an'Agnahary gny fisaora, ze nametraky gny tao am-pon'i Titosy gny fahamatora ze ananako amindrareo. 17Fa izy sy magneky gny tokasika avo, fa tena matosy gny amin'izay avo koa. Nagnato anao tamin'gny sitrapony manoka izy.18Nalefafanay izy niaraky tamin'gny rahalahy ze nidera teo agnevon'gny fiangona aby noho gny asany ze mitory gny filazasara. 19Sy zay avo, fa izy avo koa dra nitendren'ereo fiangona ba handeha hiaraky aminay hinday zao asan'gny fahalala-tagna zao. Zay dra ho agny voninahisy Topo dra ho agny fagnirianay hagnapy.20Mitandrina izahay gny amin'gny mety hisian'gny olo mitaray mombanay mahakasiky an'io asa fahalala-tagna ze hataonay io. 21Ka mila mitandry zahay ba hanao gny mendriky, fa sy eo anatrehan'gny Topo raiky avo, fa eo alohan'gny olo koa.22Mandefa rahalahy raiky hafa avo koa zahay miaraky amin'ereo. Matetiky zahay gny nisapa anazy , dra nahita anazy mafana fo tamin'gny asa maro. Mazoto izy zao amizao noho gny fahatokisa lahibe ze anagnany amindrareo. 23Raha gny amin'i Titosy, izy gny namako vo mpiara-miasa aminahy ho andrareo. Raha gny amin'gny rahalahinay, dra nalefan'ereo fiangona ereo. Voninahisy ho an'i Kristy ereo. 24Dra aboao anazy reo gny fitiavandrareo , dra aboao amin'gny fiangona gny aton'gny fireharehanay momba andrareo.
Chapter 9

1Mahasiky gny asa fanopoa ho agny mpino, sy tena taliaviko gny manorasy ho andrareo. 2Fatako gny momba gny fagniriandrareo, ze hiresahako amin'gny olon'i Makedonia. Nizakako anazy reo fa Akaia dra fa vonona nanomboky tamin'gny tao lasa. Gny zotom-pondrareo gny nanosiky gny akamaroan'ereo hiasa.3Dra nirahiko gny rahalahy ba sy ho raha-fahatany gny fireharehasika momba andrareo, dra ba ho vono andrareo, araky gny fa nizakako ho andrareo. 4Raha sy zay, raha misy Makedonia maro miaraky aminahy dra mahita andrareo bo sy vonona, dra ho megnasy isika-sy mizaka dre ino dre ino bo andrareo zaho-noho gny fahatokia andrareo. 5Dra mieriserisy zaho fa taliavy gny mampirisiky reo rahalahy hagnagny aminao dra hanao fifagnaraha mialoha gny amin'gny fagnomeza fa nampanatatenao. Zay dra ahafaha mivonona manahakay gny fitahia , fa sy manahaky gny raha sy azo eke.6Gny tena izy dra itiho: Gny raiky ze mamafy kely dra hiziza gny kely avo koa , dra gny raiky ze mamafy amin'gny tazom-pitahia dra hanapaky gny fitahia avo koa 7Angao gny kirairaiky hagnome araky ze fa nirafetiny tao am-pony. Ka anga magnome fahoria na faneritere izy. Fa gny pagnome am-pifalia gny tian'Agnahary.8Dra Zagnahary dra afaky mampitombo gny fitahia ho anao, ba ,amin'gny raha iaby, dra afaky hahazo ze taliavindrareo iaby mandrakariva iaignadrareo. Zay gny misy dra ba ahafahandrareo magnatombo gny asa soa andrareo. 9Zay dra araky gny voasorasy ho: ''Nizarany reo hanagnany dra nagnome anazy io ho agny mijaly. Maharisy mandrakizay gny fahamarinany.''10Izy zay mamasy tegnany ho agny mpamboly ze mamafy vo gny mofo ho agny sakafo, dra hamasy vo hampitombo gny voanao avo koa ho amin'gny famafaza. Hampitombo gny vokasy gny fahamarinanao izy. 11Hahazo harena amin'gy fomba aby anao ba hahavy anao ho malala-tagna. Zay dra hinday fanehoam-pisaora an'Agnahary amin'gny alalanay.12Gny fanatateraha io asa fanopoa io dra sy vitan'gny mahafeno gny raha taliavin'gny mpino avo . Mitombo avo koa zay amin'gny asa fagnomezam-pisaora an'Agnahary maro. 13Fa noho gny fisapa andrareo ze voaporofo amin'io asa io, dra hagnome vininahisy an'Agnahary koa andrareo amin'gny fakatoava gny fibabohandrareo amin'gny filazasaran'i Kristy. Dra hagnome voninahisy an'Agnahary koa andrareo amin'gny fahalalaha-tagnandrareo amin'gny fagnomeza ho an'ereo vo gny olo-iaby. 14Magniry anao ereo ,dra mivavaky ho anao ereo. Manao anizay ereo noho gny fahalebiazan'gny fahasoavan'Agnahary ao aminao. 15Ho an'Agnahary anie gny saotra noho gny fagnomezany sy hay zaka!
Chapter 10

1Zaho , paoly, miangavy andrareo gny vatako , amin'gny fanetre-tena vo hamorom-pagnahin'i Kristy. Malemy fagnahy zaho gny fa eo amin'gny fanetrehandrareo, nefa sahy gny amindrareo zah gny fa sy eo. 2Mangataky amindrareo zaho, gny fa miaraky amindrareo zaho , sy mila mahavany amin'gny fahatokisa-tegna . Nefa zaho mieriserisy fa ,ila mahavany manohisy anereo ze mihevisy fa isika dra miay araky gny nofo.3Fa na zay avo dra mandeha araky gny nofo zahay, sy mialy araky gny nofo. 4Fa gny fialia ze ialianay dra sy ara-nofo. Noho zay, mana hery laha tagny an-dagnisy reo ba hamoteha gny fagnahy rasy. Fa sy minday na ino na ino gny hevi-pitak'izay reo.5Ho solasika avo koa reo raha abo ze mananga fanohera gny fahalala an'Agnahary. Fa mihevisy gny ho tiany gny olo kirairaiky amin'gny fakatoava an'i Kristy isika. 6Dra miomana amin'gny famezigna gny fihesiky sy fakatoava iaby isika, vatany vo tateraky gny fakatoavandrareo.7Hatio mazava ze eo alohandrareo. Fa na iza na iza gny resy lahasy fa izy gny kristy, ao hampasiahy gny vatany izy fa izy tokoa dra Kristy, dra manahaky anizay koa isika . 8Egny fa dre dra mirehareha masaiky avo zaho momban'gny fahafasika ,ze nomen'gny Topo asika ba hanangana sady sy hanimba andrareo, sy ho megnasy zaho.9Sy tiako zay gny hampatahosy andrareo amin'gny alalan'gny taratasiko. 10Fa gny olo gn'ilany nizaka ho:''Matosy vo mahery gny taratasiny, nefa malemy ara-bata izy. Sy mendriky ho tenoy gny zakany.''11Ao gny olo tahaky anio ahafatasy fa reo zaka ao amin'gny taratasinay tamin'gny fotoa sy nahateo anay dra maneho gny asa tokony ho ataonay gny fa avy zahay. 12Sy mandeha lavisy zahay na mamitaha gny vatanay amin'ereo ze midoka-tegna. Fa raha mandrefy gny vatany amin'gny hafa ereo dra mampitaha gny vatany amin'gny hafa, dra sy ho malina.13Isika, na hafa avo, sy hirehareha mihoasy gny tokony ho izy. Fa dra, ataonay avo zay ze misy fetrany araky gny nanendren'Agnahary anay, fetra ze mahakasiky andrareo. 14Fa sy mitandry gny vatanay zahay gny fa avy tegny amindrareo. Zahay gny avy volohany hatragny amindrareo niaraky tamin'gny filazasaran'i Kristy.15Sy nirehareha mihoasy gny fetra isika gny momban'gny asan'gny sasany . Nefa dra, atenainay fa hitombo gny finoandrareo amin'gny asa lahibe miamby gny kirairaiky , dra samy amin'gny fetrany aby. 16Fa zao gny atenainay , ba ahafahanay mitory gny filazasara dre dra agny amin'gny toera lavisy andrareo avo. Sy hirehareha momban'gny asa fa vita tagny amin'gny farisy hafa isika.17''Nefa ao gny raiky ze mirehareha, hirehareha ao amin'gny Topo.''18Fa sy gny raiky ze manolosy gny vatany gny ankatoavy. Nefa dra, ao gny raiky ze natolosy gny Topo.
Chapter 11

1Magniry zaho ba ahafahandrareo magnenga anahy hanao fahadala kely gn'ilany. Fa tena magnenga anahy tokoa andrareo! 2Fa saro-piaro gny momba andrareo zaho. Mana fahasarotam-piaro araky an'Agnahary amindrareo zaho, hatramin'gny nagnomezako toky andrareo tao amin'gny fanambalia hô agny valy raiky avo. Nagnome toky zaho gny hanolosy andrareo tahaky gny veriziny malio ho an'i Kristy.3Fa matahosy zaho fandrao, tahaky gny namitahan'gny menarana an'i Eva tamin'gny alalan'gny hafeseny, gny eriserisindreo dra mety hiala amin'gny fanolora-vata amin-kisim-po vo malio amin'i Kristy. 4Fa erisereto hô misy olo raiky torisika . Na erisereto hô mandramby Fagnahy hafa noho ze rambesindrareo andrareo. Na erisereto ho mandray filazasara hafa noho gny raiky ze nirambesindrareo. Mamela anio raha soa io avo andrareo!5Satria mieriserisy zaho fa sy farany ambany noho reo zaka fa hô apostoly agn'abony. 6Fa dre dra sy nizara nandeha-zaka avo zaho, dra nizara tamin'gny fahalala. Tamin'gny fomba iaby vo tamin'ereo raha aby dra nataonay ho fatasindrareo zay.7Moa nanota se zaho tamin'gny fanetre-tegnako ba hisandratandrareo? Fa nitory gny filazasaran'Agnahary maimaipoa ho andrareo zaho. 8Nandrobaky gny fiangona hafa zaho tamin'gny alalan'gny faneke fanohana laha tamin'ereo ba ahafahako manopo andrareo. 9Gny fa niaraky tamindrareo zaho vo nila fagnapia , dra sy nagnavesasy na iza na iza. Fa reo raha nitaliaviko dra nomen'ereo pirahalahy ze laha tagny Makedonia. Tamin'gny raha iaby dra nitandry gny vatako sy ho eta-mavesasy amindrareo zaho, dra hanohy hanao anizay.10Raha ato aminahy gny fahamarignan'i Kristy , dra sy hangina zay fireharehako zay agny amin'gny farisin'i Akaia. 11Nanao akory? Satria sy tiako se andrareo? Zagnahary mahalala.12Dra gny raha ataoko dra bo ho ataoko avo, ba mety ahafahako mangalaky gny fitaraigna nohon'gny fanakiana anahy vo gny fitaraigna noho reo ze tian'ereo hirehareha-fa ereo dra hita manao asa mitovy amin'izay ataonay. 13Fa gny olo tahaky anizay dra apostoly sandoky vo mpiasa mamitaky. Izy reo dra manao sarisarin'gny vatany tahaky gny apostolin'i Kristy.14Dra zay dra sy mahalasa , fa dre gny satana avo maneho gny vatany tahaky gny azelin'gny fahazava . 15Sy mahalasa sasy raha mampiboaky gny vatan'ereo tahaky gny mpanompon'gny fahamarina reo mpanompony. Gny azaran'ereo dra ze mendriky gny asan'ereo.16Zakako draiky hô: ''Ka anga hisy hieriserisy hô mola (adala) zaho. fa raha manao anizay andrareo , dra rambeso tahaky gny mola zaho dra ba hirehareha kely. 17Ze zakako momba anitiho dra sy araky gny zakan'gny Topo, fa mizaka manahaky gny mola zaho. 18Fa maro gny olo gny mirehareha araky gny nofy, dra hirehareha avo koa zaho.19Nagneky am-pifalia reo mola andrareo. Dra hô hendry gny vatandrareo! 20Fa mandefisy amin'olo andrareo raha magnandevo andrareo, mandany andrareo, magnararaosy andrareo, mandramby gny vatany ho agn'abony noho andrareo, na raha mamely tehamaina andrareo izy. 21Ho zakako amin'gny fahafaham-barakanay fa mamely loasy zahay tamin'gny fanova anizay. Raha misy mirehareha -dra miresaky manahaky gny mola zaho-Izaho avo koa dra hirehareha.22Hebreo se ereo? Zaho avo koa. Israelita se ereo? Zaho avo koa. Taranak'i Abrahama se ereo? Zaho avo koa . 23Mpanompon'i Kristy se ereo? ( Miresaky manahaky gny olo very say zaho) Mihoasy noho zay zaho. Bo niasa fatrasy nihoasy noho zay avo zaho, tagny am-ponja matiteky, tamin'gny kapoaky mihoasy gny fepetra, tamin'gny fiatreha loza maro mahafaty.24Laha tamin'gny alalan'ereo Jiosy gny nandresako'' kapoaky efapolo lasaky raiky''Indimy. 25Itelo zaho gny nizerany tamin'gny hazo. Indraiky nitorahiny vato zaho. Itelo vaky sambo zaho. Nandany raihaly vo andro raiky tegny an-dranomasy zaho. 26Nandeha matetiky zaho, tamin'gny lozan'ony, tamin'gny lozan'ereo mpandrobaky, tamin'gny lozan'gny oloko, tamin'gny loza tagny amin'gny tana, tamin'gny loza tagny agn'efisy . tamin'gny loza tagny an-dranomasy , tamin'gny loza laha tamin'ereo rahalahy sandoky.27Fa tamin'gny asa fatrasy vo raha -sarosy zaho, tamin'gny hariva sy misy torimaso, tamin'gny haresia vo hetaheta, tamin'gny fifalia-kany matetiky, tamin'gny hasiaky vo fitazaha. 28Akoasy gny raha hafa, misy sindry isan'andro aminahy nohon'gny fagnahiako amin'gny fiangona aby. 29Iza gny malemy , ka sy malemy zaho? Iza gny manafitohy, ka sy mirehisy zaho?30Raha sy maisy mirehareha zaho, dra hirehareha momba ze mapiboaky gny fahalemeko. 31Gny Zagnahary vo Ran'i Topo Jesosy , gny raiky ze dera mandrakizay , dra mahafatasy fa sy mavandy zaho!32Tagny Damaskosy, gny governora ambanon'i Areta Pajaka dra niamby gny tanan'i Damaskosy ba hanambosy anahy. 33Fa nampizoso tamin'gny sobika teo amin'gny vatrangara-kely raiky teo ami'gny manda zaho. ka dra nandositry gny tanany.
Chapter 12

1Zaho dra sy maisy mirehareha , fa sy misy na ino na ino azo laha tamin'izay. Fa zaho dra hanohy gny amin'ireo fahita vo reo fagnambara laha tamin'gny Topo. 2Mahafatasy lelahy ao amin'i Kristy zaho ze efasy ambiny folo tao lasa zay- na ao amin'gny tegna na ambalikin'gny vata, zaho sy mahafatasy , Zagnahary mahafatasy-nala niakasy tagny amin'gny lagnisy faha telo.3Dra fatako fa io lelahy io- na ao amin'gny vata, na ambalin'gny vata, zaho sy mahafasy, Zagnahary mahafatasy- 4dra nala niakasy tao amin'gny paradisa dra nahare raha ze tena masy loasy amin'gny olo gny hizaka anazy. 5Amin'gny agnaran'gny olo tahaky anizay dra hirehareha zaho. Fa amin'gny agnaran'gny vatako dra sy hirehareha zaho, afa-sy gny momba reo fahalemeko .6Raha te hirehareha zaho, dra sy ho mola zaho, fa te hizaka gny mary. Fa hamehy vata amin'gny firehareha zaho, ba sy hisy dre iza dre iza hihevisy anahy agn'abony noho ze hita aminahy na re avy aminahy. 7Hamehy vata amin'gny firehareha avo koa zaho noho reo karaza fagnambara miavaky reo. Noho zay, ba sy ho feno firehareha zaho, dra nasia raha maragnisy gny nofoko, gny mpinday hafasin'i Satana hanakorota anahy, ba sy hirehareha loasy zaho.8Itelo zaho gny nitalaho tamin'gny Topo gny momba anizay, ba hangala anizay aminahy.9Fa ho izy taminahy ho:''Apy ho anao gny fahasoavako, fa gny hery dra natao ho lafasy ao amin'gny fahaleme.'' Aleoko mirehareha amin'gny fahalemeko, ba hitoeran'gny herin'i Kristy ato aminahy. 10Noho zay finarisy noho i Kristy ao amin'gny fagaleme, amin'gny fanevateva, amin'gny korota, amin'gny fanezeha dra ao amin'gny fotoa-sarosy zaho. Fa dre ombia dre ombia malemy zaho, dra matazaky.11Izaho dra lnazary mola! Andrareo gny nanery anahy amin'izay, fa zaho dra tokony niderandrareo. Fa zaho dra sy ambany noho reo mihisy , dre dra sinosino avo zaho. 12Reo famatara mary gny maha Apostoly dra nitaterahy teo amindrareo tamin'gny fahareta tateraky, famatara vo fahangaga dra asa mahery. 13Fa nanao akory andrareo gny sy dra mana-daza noho reo fiangona ilany, akoasy gny sy maha vesasy anahy ho andrareo? Mamela anahy noho zay fahadisoa zay !14Indro! Vonona ho avy fagnitelony agny amindrareo zaho. Sy ho vesasy ho andrareo zaho, fa izaho dra sy mila ze andrareo. Andrareo gny taliaviko. Fa sy gny zanaky gny tokony hihary ho an'ereo ray-aman-dreny. Fa dra, reo ray aman-dreny gny tokony hihary ho an'ereo zanaky. 15Izaho dra ho faly tateraky handany vo ho lania ho agny fanahindrareo. Raha mitia be andrareo zaho, dra hotiavy masaiky se zaho?16Fa na dra manahaky anizay avo, sy nagnavesasy andrareo zaho. Fa, satria zaho fesisesy be, dra zaho gny raiky ze nahazo andrareo tamin'gny fitaky. 17Moa se nagnararaosy andrareo tamin'gny alalan'gny olo ze nalefako tamindrareo zaho? 18Nagniraky malaky an'i Titosy ho agny amindrareo zaho, dra nalefako niaraky taminazy reo rahalahy gn'ilany. Moa se sy mitovy lala isika ? Moa sse sy niray dra isika?19Moa se mieriserisy andrareo fa nandrisy zay fotoa iaby zay dra niaro gny vatanay tamindrareo izahay? Eo anatrehan'Agnahary, gny izakanay tao amin'i Kristy gny raha iaby ba ho fampahereza andrareo.Fa matahosy zaho fandrao gny fa avy zaho dra mety sy hahita andrareo araky gny fanatenako. Matahosy zaho vasa sy ho hitandrareo araky gny fanatenandrareo. Matahosy zaho fa sao dra mety hisy fifagnakania , fialogna, fazekeny hahoria, fikasa amin'gny fitiava-tegna, fifosa, fieboeboa, dra fikorotagna. 21Mataohosy zaho vasa gny fa mihery , dra hanendry anahy eo anatrehandrareo gny Zagnahariko. Matahosy zaho vasa mety halahelo gny amin'ireo maro ze nanota teo aloha , dra bo sy nibebaky tamin'gny fahalotoa vo gny fizangazanga dra fizezozezoa feno fagnirian-drasy ze nataon'ereo.
Chapter 13

1Fagnitelony zao gny nandalovako atiho amindrareo. ''Gny fiampanga aby dra sy maisy miory amin'gny porofo amin'gny vavolombelo ro na telo.''2Fa nizaka tamin'ereo ze nanota zaho taloha vo tamin'ereo ambiny aby gny fa teo fagnindroany , dra zakako draiky zay:''Gny fa avy draiky zaho, dra sy hiferegnay anazy reo zaho.''3Mizaka andrareo zay zaho satria andrareo dra mtalia porofo fa i Kristy dra mizaka amin'gny alalako. Sy marefo amindrareo Izy. Fa dra, mahery ao amindrareo Izy. 4Fa Izy nohomboha amy fahaleme, nefa velo tamin'gny herin'Agnahary. Fa isika dra marefo ao aminazy , kanefa isika dra miara-miay amin'gny herin'Agnahary eo agnevondrareo.5Diniho gny vatandrareo raha tiandrareo ho hita fa ao amin'gny finoa andrareo . Sapao gny vatandrareo . Sy bo azondrareo asay se zay momba gny amin'gny vatandrareo fa i Jesosy Kristy dra ao amindrareo? Raha andrareo dra sy nahomby tamin'gny fisapa. 6Dra zaho mahatoky fa andrareo dra hagneky fa isika dra nahomby amin'izay fisapa zay.7Amizao isika dra mivavaky amin'Agnahary fa sy afaky gny anao raha rasy andrareo. Zaho dra sy mivavaky gny afaky ahita fa isika dra nahomby amin'gny fisapa. Fa dra zaho dra nivavaky gny ba ahafahandrareo manao ze mety kanefa isika dra mety ho hita hanahaky gny sy nahomby tamin'gny fisapa. 8Fa isika dra sy afaky gny hanao raha manohisy amin'gny fahamarigna, fa ho agny fahamarina avo koa.9Fa isika dra mifaly gny fa marefo dra fatrasy andrareo. Fa isika avo koa dra mivavaky ba ho ataosika feno andrareo. 10Manorasy anitahoky raha tahoky zaho raha magnalavisy andrareo zaho, dra gny fa miaraky amindrareo zaho dra sy voatery minday andrareo an-kahoria amy fampiasa gny fahefako-ze nomen'gny Topo anahy , ba anangnanako andrareo, dra sy hanimba andrareo.11Farany, ry rahalahy , mifalia! miasa ho amin'gny famerena ami'gny loniny, mahereza, mifanekea gny kirairaiky , miaigna am-piadana , dra gny Zagnahary gny fitiava vo gny fiadana dra hiaraky amindrareo. 12Mifampiarahaba andrareo amin'gny fanorohona Masy.13Reo mpino aby dra manao veloma andrareo. [ Fanamariha: reo dika-zaka gn'ilany dra manambasy gny andininy faha 13 amin'gny andininy faha 12 dra manao gny andininy faha 14 ho andininy faha 13.] 14Enganie gny fahasoavan'i Topo Jesosy Kristy, gny fitiavan'Agnahary, vo gny fiaraha amin'gny Fanahy Masy ho ao amindrareo aby.

Galatians

Chapter 1

1Paoly, apostoly _sy apostoly boaky amigny olo na tamigny alalanigny olo, fa avy amin'i Jesosy Kristy vo gny Zagnahary Ray, ze nananga anazy tamigny maty _ 2dra reo rahalahy aby miaraky aminahy, ho anireo fengonanigny Galatiana:3Fahasoava ho amindrareo dra fedagna boaky amin'Agnahary Rasika vo Jesosy Kristy Topo, 4ze nanolosy gny vatany ho anigny fahotasika ba hahafahany asika amizao andronigny faharasia zao, araky gny sitrapon'Agnaharisika vo Raika, 5ho anazy anie gny voninahisy mandrakizay doria. Amena.6Gaga zaho ho niala malaky tamigny nitoka andrareo tamigny fahasoavan'i Kristy hadrareo. Gaga zaho fa mitoliky ho amigny filazasara hafa hadrareo. 7Sy midika akory izay fa misy filazasara hafa, fa misy olo mamoro izay minday fikorotagna ho andrareo dra tehagnova gny filazasaran'i Kristy.8Fa na izahay na azely avy agny an-dagnisy aza gny hitory filazasara hafa amindrareo, dra aoka izy ho voaozo. 9Araky zay nizakanay taloha, dra amizao zaho mizaka ndraiky ho: ''Gny misy olo mizaka amindrareo filazasara hafa noho izay niresindrareo, dra aoka zy ho voaozo.' 10Moa se izaho amizao mitalia gny fakatoavan'ny olo sa Zagnahary? Moa se zaho mitalia izay hapifaly gny olo? Gny bo manohy miezaky gny hapifaly olo zaho, dra sy panopon'i Kristy.11Fa tiako ho fatasindrareo, ry rahalahiko, fa gny filazasara izay zinakako dra sy filazasaran'olombelo. 12Sy nandray izay tamin'olo zaho. na napianary anahy izay. Fa koa, izay dra fagnambaran'i Kristy jesosy taminahy.13Fa handrareo nahare gny amigny fiegnako taliha tamigny fomba fivavaha Jiosy, vo gny fomnba nagnezehako gny fengonan'i Zagnahary mihoasy gny tokony ho izy dra gny fiezahako handrava izay. 14Nandroso tamigny fivavahan'ny Jiosy zaho nihoasy gny maro tamin'ireo nitovy tao taminahy, avy tamin'ireo raiky ferenena taminahy. Manahaky izay gny fomba nihazognako fatrasy reo fomban-drazako.15Kanefa Zagnahary, ze nanoka anahy hatragny atron-dreniko, dra nitoka anahy tamigny alalanigny fahasoavany, 16gny fa faly gny haneho gny zanadahiny taminahy, ba hahafahako mitalily anazy agny amigny Jentilisa, dra sy nangalaky say tamigny nofo vo lio zaho. 17Sy niakasy tagny Jerosalema ho agny amireo fa lasa Apostoly talohako zaho. Fa nandeha tagny Arabia dra boak'eo nihery tagny Damaskosy Zaho.18Dra telo tafara dra niakasy tagny Jerosalema ba hifakafatasy tamin'i Kefasy zaho dra nizano niaraky taminazy nandrisy gny dimy ambiny folo akoasy an'i Jakoba, gny rahalahinigny Topo. 20Dra ao amize soratiko ho andrareo, dra magnome toky andrareo zaho eo agnatrehan'Agnahary, fa sy mavandy zaho.21Boak'eo zaho dra nandeha tagny amigny faris'i Syria vo Kilikia. 22Sy bo fatasy teo amireo fengonan'i Jodia ze ao amin'i Kristy zaho. 23Ren'ereo avo ze voazaka ho: "Gny lelahy ze nagneziky asika faela dra zinaka gny finoa ze niezahany nipotehi taloha." 24Noho izay ereo dra nidera an'Agnahary noho gny aminahy.
Chapter 2

1Efasy ambin'ny folo tao tatiky afara dra niakasy tagny Jerosalema mdraiky zaho nindray tamin'i Barnabasy, dra ninday an'i Titosy niaraky taminahy. 2Niakasy tagny nohonigny fagnambara raiky zaho dra nametraky teo amin'ereogny filazasara ze toriko eo amireo Jentilisa. Nizaka mitoka tamireo ze nihevery ho mana-daza zaho, ba hahazoa atoky fa sy hihazakazaky na fa nihazakazaky_ very may zaho.3Fa na Titosy aza, ze niaraky taminahy vo gny GRika, dra nitere ho voatapaky. 4Nilisy nangingina reo rahalahy sandoky ba hisikilo gny fahafaha hanagnanay ao amin'i Kristy Jesosy. Nagniry gny hagnandevo anay ereo, 5fa sy nimety gny hagneky anereo na dre fotoa kely aza zahay, ba hitoeranigny fahamarignanigny filazasara amindrareo.6Fa reo ze nihevery ho manaa-daza (na ino na ino ereo dra sy mapagnino anahy, Zagnahary dra sy miangasy)_ Zakao, reo ze hevery ho mana-daza dra sy nagnapy na ino na ino taminahy. 7Mifanohisy amizay, hitan'ereo fa nagnaky gny filazasara ho anireo ze sy voatapaky zaho, manahaky gny nagnakigna an'i Petera gny filazadara ho anireo ze voatapaky. 8Fa zagnahary, ze niasa tao amin'i Petera ze voatapaky, dra niasa tato aminahy avo koa ho anireo Jentilisa.9I Jakoba, Kefasy, dra i Jaona, ze fatasy fa agnisan'ireo nagnory gny fengona, gny fa nahay gny fahasoava ze name anahy, dra nagnome gny tagnany akavananigny fiombona ho anahy vo Barabasy ereo. Nataon'ereo zay ba hahafahanay magnagny amigny Jentilisa, dra ba hahafahan'ereo magnagny amireo ze voatapaky. 10Nangataky avo ereo ba hahaserova gny mahatra zahay, ze raha tiako atao tokoa.11Fa gny fa avy tagny Antioka i Kefasy, dra nanohisy anazy teo amigny tarehiny zaho akory voazaka fa diso izy. 12Talohanigny nahavavian'ireo lelahy ilany boaky amin'i Jakoba, dra teo apihinana niaraky tamireo Jentilisa i Kefasy. Fa gny fa avy reo lelahy reo, dra nizano izy dra niala lavisy an'ireo Jentilisa. Natahosy reo ze nitaky fanapaha izy.13Gny sisa tamireo Jiosy dra niray tamizay fiasara-belasihy zay. Na i Barnabasy aza dra voavily lalana niaraky tamin'ereo tamigny fiasaram-belasihin'ereo. 14Fa gny fa hitako fa sy magnaraky gny fahamarinanigny filazasara gny fitondra-tegnan'ereo, dra nizaka tamin'i Kefasy teo anoloan'ereo aby zaho ho: "Raha Jiosy hanao dra bo miay manahaky gny Jentilisa fa sy manahaky gny Jiosy, ino gny ahafahanao manery reo Jentilisa hiay manahaky gny Jiosy?"15Isika dra Jiosy tamigny alalanigny fahateraha fa sy panota Jentilisa; 16fatasika anefa fa sy misy olo hamarininigny asanigny lalana fa amigny alalanigny finoa an'i Kristy Jesosy. Isika avo koa dra avy tamigny finoa an'i Jesosy Kristy ba ho hamariny amigny finoa an'i Kristy fa sy amigny asanigny lalana. Fa sy hisy nofo ho hamarigny amigny asanigny lalana.17Fa raha ohasy, mitalia ho hamarigny ao amin'i Kristy isika, isika avo koa, dra hita fa panota, moa mapirisika gny fahota ra i Kristy? Aha! 18Fa gny mananga ndraiky reo raha fa niravako taloha zaho, dra magnapofo gny vatako ho pandika lalana zaho. 19Fa tamigny lalana gny nahafatesako amigny lalana, ba ho velo ho an'Agnahary zaho.20Nihombo niaraky tamin'i Kristy zaho. Sy izaho sasy gny velo, fa i Kristy gny velo ato agnatiko. Gny fiegna iegnako ao amigny nofo amizao dra iegnako ao amigny finoa gny Zanan'Agnahary, ze tia anahy dra nanolosy gny vatany ho anahy. 21Sy magnilisy gy fahasoavan'Agnahary zaho, fa gny azo amigny lalana gny fahamarigna, dra sy misy dikany gny nahafatesan'i Kristy!
Chapter 3

1Ry Galatiana Adala! Iza gny nagnosavy andrareo? Teo amasondrareo indrindra gny nahareza an'i Jesosy Kristy voahombo. 2Izao avo gny raha tiako ianara amindrareo: Nitakasy gny Fagnahy tamigny asanigny lalana sa tamigny finoa ze rendrareo handrareo? 3Mola vatany ra handrareo? Netomboky tamigny Fagnahy handrareo, dra hiafara amigny nofo ra amizao?4Moa niarisy raha-maro tamigny sy misy dikany ra handrareo_ fa gny tena raha foa vatany zay? 5Moa ra izy ze magnome gny Fagnahy andrareo vo manao asa mahagaga eo amindrareo dra manao anizay zay amigny asanigny lalana, sa amigny fitenoa amigny finoa?6Manahaky an'i Abrahama "nino an'Agnahary dra nisaina ho fahamarigna anizay," 7dra manahaky anizay, fataro, fa reo ze amigny finoa dra zanak'i Abrahama. 8Gny sarasy masy, nihita meloha fa Zagnahary hagnamarigna reo Jentilisa amigny finoa , dra nitory gny filazasara meloha tamin'i Abrahama, nizaka ho: "Boaky aminao gny hitahia gny finoa aby." 9Ko reo ze amigny finoa dra voatahy miaraky amin'i Abrahama, gny olonigny finoa.10Reo ze miaky amigny amigny asanigny lalana dra eo ambaninigny Ozo; fa voasorasy ho: "Voaozo ze sy magneky gny raha aby voasorasy ao agnatinigny bokinigny lalan'aby, vo manao anireo." 11Amizao dra mazava fa sy misy olo ze hamariny eo agnatrehan'Agnahary amigny alalanigny lalana, akory gny mary dra ho velo amigny finoa. 12Fa gny lalana dra sy araky gny finoa, fa koa, "Gny olo ze manao gny asanigny lalana dra sy maisy velo amireo."13Kristy nagnavosy asika tamigny azonigny lalana tamigny nahaviany ho ozo ho asika__fa voasorasy ho: "Voaozo ze mihato amigny hazo" _ 14ba ho avy amigny Jentilisa gny fitahin'i Abrahama ao amin'i Kristy Jesosy, ba ho amigny finoa gny ahazoasika gny fapanatenanigny Fagnahy.15Ry rahalahy, angao zaho hizaka araky gny fanaonigny olo. Ao amigny fifagnaraha ataonigny olo, sy misy afaky magnafoa na magnapy ze ao, gny fa tafapetraky gny lalana zay. 16Dra reo fapanatena dra nizaka tamin'i Abrahama vo tamin'ireo taranany. Sy mizaka anizay ho: "Ho anigny taranaky," manondro olo maro, , fa olo raiky avo," ho anigny taranaky," dra i KRisty.17Dra izao gny tiako ho zaka: "Gny lalana, ze lasa telo-polo sy efa-zato tao taty afara, dra sy hahafoa gny fagneke ze fa napetran'Agnahary meloha. 18Fa gny avy amigny lalana gny lova, dra sy avy amigny fapanatena sasy zay. Fa Zagnahary nagnome anizay an'i Abrahama tamigny lalanigny fapanatena.19Ino, dra, gny tazonigny lalana? Nasia anizay noho reo fandikan-dalana, mandra-pahavianigny taranak'i Abrahama eo amize nanova gny fapanatena. Gny lalana dra nataonigny panalalana raiky ho ho mana-kery tamigny alalanigny azely tamigny alalanigny azely. 20Fa gny panalalana dra midika olo mihoasy gny raiky, kanefa zagnahary dra raiky avy.21Moa ra gny lalana manohisy reo fapanatenan'Agnahary? Sagnatria zay! Fa raha nisy lalana name ze afaky magnome fiegna, dra boaky amigny lalana gny fahamarigna. 22Fa gny sorasy masy nagnagadra gny raha-aby ambaninigny fahota. Nanao anizay Zagnahary ba hapanatena gny hagnavota asika amigny lalanigny finoa an'i Jesosy Kristy.23Dra talohanigny nahavianigny finoa, isika dra nitana ho babo tao amininigny lalana, nigandra mandra-pisehonigny finoa. 24Ko avy eo gny lalana dra lasa piamby asika mandra-piavian'i Kristy, ba ho voamary amigny finoa isika. 25Fa izao dra avy zay finoa zay, dra sy eo ambaninigny piamby sasy isika. 26Fa handrareo aby dra zanan'Agnahary eo amigny finoa an'i Kristy Jesosy.27Fa maro amindrareo ze natao Batisa tao amin'i Kristy, gny nitakasy an'i Kristy. 28Dra sy misy sasy na Jiosy na Grika, na andevo na olon'afaky, na lahy na vavy, fa raiky avo handrareo ao amin'i Kristy. 29Gny an'i Kristy handrareo, dra taranak'i Abrahama, vo pandova araky gny fapanatena handrareo.
Chapter 4

1Mizaka zaho fa gny pandova, gny bo zaza izy, dra sy hafa amigny andevo, na dre toponigny raha aby aza. 2Kanefa izy dra eo ambany fifehezan'ireo piamby vo reo pitahiry raha sarobily mandra-pahavianigny daty ze napetrany gny babany.3Manahaky anizay avo koa, tamy isika bo ny zaza, dra nandevozin'ireo lalana fisipi-pianaran'izao totolo izao. 4Fa gny fa avy gny fahafenoanigny fotoa, dra nandefa gny Zanany Zagnahary, ze nateran-apela, nateraky tao ambaninigny lalana. 5Nanao anizay Izy ba hagnavota reo ze ambaninigny lalana, ba hahafatarasika mitakasy gny fanangana ho zanaky.6Dra akory zanaky handrareo, dra nirahin'Agnahary ho ao aposika gny Fagnahinigny Zanany, ze mitoka ho: "Aba, ray." 7Noho izay sy andevo, fa zanaky, dra gny raha zanaky, dra pandova amigny alalan'Agnahary avo koa hanao.8Fa tamizay fotoa zay, handrareo bo sy nahay an'Agnahary, dra natao ho andevon'ireo zay, amigny hery voazagnahary, dra sy zagnahary velively. 9Fa amizao handrareo dra lasa nahay an'Agnahary, na koa hoe fatan'Agnahary handrareo, dra akory gny heverindrareo amigny abidim-penara malemy vo sy misy dikany? Te ho andevozy ndraiky ra handrareo?10Mandiniky reo andro vo reo vola vo gny vani-potoa vo gny tao handrareo! 11Matahosy gny amindrareo zaho fa soa dra ho zava-poa gny asako teo amindrareo.12Mengavy andrareo zaho, ry rahalahy, manova manahaky anahy, akory zaho avo koa dra fa lasa manahaky andrareo. Sy nanao rasy taminahy handrareo. 13Kanefa fatandrareo fa noho gny aretim-batako gny nignambarako andrareo gny filazasara tamigny volohany. 14Na dre ninday andrareo tamigny faka-panahy aza gny toe-batako, dra sy nanao sinosino na nagniliky anahy handrareo. Fa niresindrareo manahaky gny ho azelin'Agnahary koa zaho, manahaky gny hoe zaho mihisy gny Kristy Jesosy.15Eza, noho izay, gny fahasoavandrareo amizao? Fa mizoro vavolombelo amindrareo zaho fa raha azondrareo atao, dra nalandrareo gny masondrareo vo namendrareo anahy zay. 16Dra noho izay, fa lasa fahavalondrareo ra zaho akory mizaka amindrareo gny mary?17Ereo dra mazoto gny hitao andrareo, fa sy amigny sao. Te hagnily andrareo agny ivelany ereo, ba hanagnandrareo zoto-po ho anereo. 18Soa avo gny mana zoto-po amigny tazo soa, dra sy gny fa miaraky amindrareo avo zaho.19Ry zanako, bo mizaly amigny fahararianigny fiteraha ho andrareo ndraiky zaho mandra-piforon'i Kristy ao amindrareo. 20Magniry zaho ba ho afaky miaraky amindrareo amizao dra hagnova gny feoko, akory sahira-say noho gny amindrareo zaho.21Zakao aminahy, handrareo ze magniry gny ho eo ambaninigny lalana, moa sy miteno gny lalana ra handrareo? 22Akory voasorasy fa i Abrahama dra nanagnanaky rolahy, gny raiky boaky amigny andevo dra gny raiky boaky amigny apela hafa. 23Fa gny raiky dra nateraky gny andevo apela araky gny nofo, fa gny raiky koa dra nateraky gny apela tamigny zaka fapanatena.24Reo raha reo dra azo resy manahaky gny fagnohara, akory reo apela reo dra magnambara fagneke ro. GNy raiky amin'ereo dra boaky amigny tendrombohis'i Sinay dra niteraky zaza andevo izy. Izy io dra i Hagara. 25Dra i Hagara dra maneho gny tendrombohis'i Sinay agny Arabia; dra maneho an'i Jerosalema amizao fotoa zao, akory andevozy niaraky tamireo zanany izy.26Fa i Jerosalema ze agny ambony dra afaky, dra izy gny renisika. 27Akory voasorasy ho: "Mifalia, hanao ry momba ze sy miteraky. Mitokatokava fatrasy dra manova avo koa fifalia, hanao ze sy mizaly amigny fahararianigny fiteraha. akory gny zanaky gny apela ze nafoy dra maro noho gny an'ireo apela manambaly."28Fa handrareo, ry rahalahy, manahaky an'i Isika, dra zanaky gny fapanatena. 29Tamizay fotoa zay gny olo ze teraky araky gny nofo dra nalaiky ze teraky araky gny fagnahy. Manahaky anizay avo koa gny amizao.30Kanefa ino gny zakanigny sorasy masy? "Alefaso agny gny andevo apela vo gny zanadahiny. Fa gny zanadahinigny andevo apela dra sy hizara lova miaraky amigny zanadahinigny apela hafa." 31Noho izay, ry rahalahy, sy zanaky gny andevo apela sika, fa zanaky gny apela afaky.
Chapter 5

1Ho amigny fahafaha gny nagnafahan'i Kristy asika. Mioregna soa, noho izay, ka mety ho ao ambaninigny ziogany fanandevoza ndraiky. 2Ingo, izaho, Paoly, mizaka amindrareo fa raha mamela gny vatandrareo ho tapahy handrareo, dra sy hahasoa andrareo amigny fomba aby Kristy.3Mizoro vavolombelo amigny olo sirairay ze mamela gny vatany ho voatapaky ndraiky zaho fa voatery hagnaraky gny lalana aby izy. 4Tafasaraky tamin'i Kristy handrareo, ze te ho hamarigny amigny lalana; dra sy maisy fahasoava sasy handrareo.5Fa amigny alalanigny Fagnahy, amigny finoa, gny handignisasika fatrasy gny fanatena gny fahamarigna. 6Ao amin'i Kristy Jesosy dra sy midika na ino na ino na votapaky na sy voatapaky, fa gny finoa miasa amigny fitiava avo. 7Fa nihazakazaky soa handrareo. Iza gny nisaka andrareo amigny fakatoava gny mary? 8Zay fandresen-dahasy zay dra sy avy amigny nitokava andrareo.9Lalivay gny mapitombo gny koba aby. 10Fa matoky gny Topo zaho fa sy hitakasy fomba fizery hafahafa handrareo. Fa gny raiky ze mapikorota andrareo gny hagnefa gny sazy, na iza na iza.11Ry rahalahy, raha bo mitory gny amigny fanapaha zaho, nagnino zaho gny bo hezehy? Amizay dra ho afaky gny fahatafitoignanigny hazo fizalia. 12Fa ho anireo ze magnakorota andrareo, enga anie dra hanapaky gny vatany ereo!13Fa tonoka ho amigny fahafaha handrareo, ry rahalahy. Nefa ka apesa ho iriky amigny nofo gny fahafahandrareo; fa amigny alalanigny fitiava dra tateraky ao amigny alalanigny fitiava dra mifanopoa. 14Fa gny lalan'aby dra tateraky ao amigny lily raiky; ao amigny ho: "Sy maisy mitia gny namanao ho: "Sy maisy mitia gny namanao manahaky gny vatanao hanao." 15Fa gny mifanifasy vo gny mifapihina handrareo, dra mitandrema soa hifandringa.16Fa hoy zaho, mandehana araky gny Fagnahy dra sy hahatateraky ze filanigny nofo handrareo. 17Fa manohisy gny Fagnahy gny filanigny nofo gny fagnirianigny Fagnahy. Fa mifanohisy reo, ba sy hahafahandrareo manao ze raha tiandrareo. 18Fa raha tarihinigny Fagnahy handrareo dra sy ho ambaninigny lalana.19Amizao dra miharihary gny asanigny filanigny nofo: Fizangazanga, fahalotoa, fizezozezoa, 20fanopoa-sapy, fagnosavia, fakahala, fifandira, fahasarota-piaro, fifandrafia, fizarazara, 21felogna, fahamamoa, fagnakorotagna, vo gny raha mitovy amizay. Mapitandry andrareo zaho, manahaky gny fa napitandremako andrareo taloha, fa sy handova gny fazakan'Agnahary reo ze mapihasy reo raha reo.22Fa gny vokasy gny Fagnahy dra fitiava, fifalia, fedagna, hasoa-fagnahy, fanova-soa, finoa, 23fahaleme-pagnahy, dra fahafeheza-tegna; sy misy lalana manohisy raha manahaky anizay. 24Reo ze an'i Kristy Jesosy dra fa nanombo gny toetra feno fahota niaraky tamigny fahafinareta vo gny filany.25Raha miay amigny Fagnahy isika, aoky handeha amigny Fagnahy avokoa. 26Aoky isika sy ho lasa pieboebo, mifandragnisy, dra mifapialo.
Chapter 6

1Ry rahalahy, gny misy olo azonigny ota, handrareo ze ara-pagnahy gny tokony hagnery anazy ndraiky amigny fahamo-rapagnahy. Mihevisy gny vatanao, ba sy ho hala-pagnahy koa hanao. 2Mifapandesa gny mavesasy, dra amizay dra tateraho gny lalan'i Kristy.3Fa gny misy olo mihevisy gny vatany ho aindraha kanefa sinosino, dra mamitaky gny vatany izy. 4Tokony handiniky gny asany aby gny sirairay, ba ho amigny vatany avo koa gny atony hireharehany fa sy amigny olo-kafa. 5Fa samby hinday gny vatany aby gny olo sirairay.6Gny olo ze napenary gny zaka dra sy maisy mizara gny raha soa aby amize mapianasy. 7Ka mety ho fitahy, fa ze ambolenigny olon'aby, gny ho zizany koa. Ho anize mamboly voa amigny toetrany feno fahota, dra boaky amizay gny hiziza fahasola. 8Ze mamboly voa amigny Fagnahy, amigny fagnahy gny hizizany gny fiegna mandrakizay.9Aoky sika ba sy ho reraky amigny fanova-soa, fa hiziza gny vokasy isika amigny fotoa mety, raha sy milavo lefo sika. 10Noho izay, akory mana fahafaha isika, dra aoky hanao gny soa amigny olon'aby, indrindra fa amigny fianakavianigny finoa.11Atio gny halahibenigny sorasy ze nisoratinigny tagnako ho andrareo. 12Reo ze te hiseho ho soa ao amigny nofo gny miezaky manery andrareo ba hotapahy. Manao anizay ereo ba hiala amigny fagnezeha nohonigny amigny hazofizalian'i Kristy. 13Na reo ze sy voatapaky aza dra sy mitandry gny lala, nefa tian'ereo hotapahy handrareo ba hireharehan'ereo amigny nofondrareo.14Nefa sy hirehareha na ombia na ombia afa-sy gny amigny hazofizalian'i Jososy Kristy Toposika anie zaho, ze nanomboa anizao totolo zao teo aminahy, dra izaho koa teo amizao totolo izao. 15Fa gny fanapaha na gny sy fanapaha dra samby sy misy dikany, fa gny fiegnam-baovao gny misy dikany. 16Ho anigny ze miay araky anizay fomba zay , dra ho amin'ereo anie gny fedagna vo gny famindra-po, na amigny Israelin'Agnahary aza.17Manomboky amizao dra aoky sy hosy hagnadala anahy, fa minday reo marik'i Jesosy eo amigny vatako zaho. 18Ho amigny fagnahindrareo anie gny fahasoavan'i Jesosy Kristy Toposika, ry rahalahy. Amena.

Ephesians

Chapter 1

1Paoly, apostolin'i Kristy Jesosy araky gny sitrapon'Agnahary, ho an'ireo olo manin'Agnahary agny Efesosy, ze matoky ao amin'i Kristy Jesosy. 2[Fagnamariha: Misy fandika ilany manglaky gny ho: "Ao Efesosy" Fe seky mety ao amigny taratasin'i Paoly tamigny volohany zay.] Ho amindrareo gny fahasoava vo gny fedagna boak'amin'Agnahary raisika vo i Jesosy Kristy Topo.3Dera anie gny Zagnahary vo Rain'i Jesosy Kristy Toposika, ze nitahy asika tao amin'i Kristy tamigny fitahiapagnahy aby boak'agny an-dagnisy ao amin'i Kristy. 4Zagnahary nifily asika tao aminazy hatramigny fiatombohan'izao totolo izao, ba ho masy vo sy mana-signy eo agnatrehany isika.5Zagnahary dra nisafidy asika meloha ho amigny fanangana ho zanaky tamigny alalan'i Jesosy Kristy, araky gny sitrapony. 6Gny fanangana asika dra minday amigny fidera gny fahasoavany be voninahisy ze nameny asika maimaipoana tao amigny raiky ze tiany.7Ao amin'i Jesosy Kristy dra mahazo fagnavota amigny liony vo gny famela-keloky isika, araky gny hare-pahasoavany. 8Narosany tamisika tamigny fahendrena vo fahalala aby zay fahasoava zay.9Nataon'Agnahary fatasy tamisika gny raha mivony sitrapony, araky ze tiany, vo ze nasehony tao amin'i Kristy, 10nindray tamigny fandahara raiky amigny fahafenoanigny fotoa, hamoria gny raha aby, eto atany vo gny agny an-dagnisy, ho loha raiky, na Kristy aza,11Ao amin'i Kristy dra voatendry ho pandova isika. Nifiliny meloha araky fandaharanigny mapiasa gny raha aby araky gny tazonigny sitrapony isika. 12Zagnahary nanendry asika ho pandova ba hosika gny mana fahatokisa volohany ao amin'i Kristy, ba ho fidera gny voninahiny isika.13Tao ain'i Kristy, handrareo koa, gny fa nahare gny zakanigny fahamarigna, dra gny filazasaranigny famozena handrareo, dra nino anazy handrareo dra voatoboky tamigny fagnahy masy napanatenany, 14ze atoky ho anigny lovasika madra-pahazoasika tateraky anizay, ho fidera gny voninahiny.15Noho izay atony zay, hatramigny naharezako gny finoandrareo gny Topo Jesosy dra gny fitiavandrareo reo olo-masin'aby, 16dra sy nisahasy gny nisaotra an'Agnahary zaho noho gny amindrareo dra saroako am-bavaky handrareo17Mivavaky zaho ba gny Zagnaharin'i Jesosy Kristy Toposika, gny Ranigny voninahisy, hagnome andrareo gny fagnahinigny fahendrena vo fagnambara amigny fahalala anazy. 18Mivavaky zaho ba hagnazava gny masonigny fondrareo, ba hahafatarandrareo gny toky ze nitokavany andrareo vo gny herinigny voninahisy gny lovany eo amireo olo-masin'Agnahary aby.19Ao amigny fivavako dra mangataky zaho ba hahafatarandrareo gny fihoaranigny halahibenigny heriny ao amisika ze mino, araky gny lolonigny heriny lahibe. 20Zay hery zay avo koa gny napesan'Agnahary tao amin'i Kristy gny fa nasangany tamigny maty Izy dra natobiny teo atagnany akavana tagny andagnisy. 21Kristy dra natobiny ho amboninigny lalana vo gny fahefa vo gny hery vo fisara, dra gny agnaran'aby ze misy. Hanapaky Kristy, sy ho amizao vani-potoa zao avo, fa ho amigny vani-potoa ho avy koa.22Napetran'Agnahary ho ao ambaninigny tombok'i Kristy avokoa gny raha aby dra natolony ho lohanigny raha aby ao amigny fengona izy. 23Gny fengona gny vatany, gny fahafenonigny mameno gny raha aby amigny endriny aby.
Chapter 2

1Dra gny momba andrareo, dra maty tao agnatinigny fahadisoandrareo vo gny fahotandrareo handrareo. 2Tao amireo fahadisoa reo gny niegnandrareo taloha araky gny fomban'izao totolo izao. Niay araky gny panapaky reo fagnahy ze miasa ao amireo zanaky gny sy fakatoava. 3Niay teo amireo olo reo avokoa isika taloha, nagnatateraky reo filan-drasinigny nofosiika, dra nagnatateraky gny fagnirianigny nofo vo gny sainy. Fa voahary ho zanaky gny fahasiaha, manahaky gny zanak'olombelo sisa isika.4Feseky manandraha famindra-po Zagnahary noho gny fitiava lahibe ze nitiavany asika. 5Tamisika bo maty tao agnatinigny fahadisoa, dra nivelominy niaraky tamin'i Kristy _ tamigny fahasoava gny namozeny andrareo. 6Niara-nametraky tao an-dagnisy ao amin'i Kristy Jesosy, 7ba afahany maneho asika amigny vani-potoa ho avy gny halahinenigny hareny fahasoavany ze sy azo refesy aseho amigny hasoa fagnahiny amisika ao amin'i Kristy Jesosy.8Fa tamigny fahasoava gny namoze andrareo tamigny alalanigny finoa, dra sy avy amindrareo zay, fa fagnomezan'Agnahary. 9Sy avy amigny asa gny fahasoava ba sy hisy hirehareha. 10Fa asan'Agnahary isika, niforogny tao amin'i Kristy Jesosy ba hanao asa ze fandaharan'Agnahary fa ela ho asika, ba handehanasika ao amireo.11Noho izay tadidio fa Jentlisa tao amigny nofo handrareo taloha. Handrareo dra natao ho: "Sy voatapaky" eo amireo ze atao ho: "voatapaky" ao amigny nofo nataonigny tagnan'olombelo. 12Akory bo tafasaraky tamin'i Kristy handrareo tamizay fotoa zay. Pivahiny handrareo teo amigny vahoakigny Israely. Dra vahiny tamigny fagnekenigny fapanatena handrareo. Sy bo nana fanatena gny amigny ho avy handrareo. Sy nindray tamin'Agnahary handrareo teto amizao totolo izao.13Fa amizao ao amin'i Kristy Jesosy handrareo ze lavisy an'Agnahary taloha dra napagnarinizy tamigny lion'i Kristy. 14Akory Izy gny fivavahasika. Izy gny nahavy gny ro ho raiky. Tamigny nofony gny nandrodagnany gny rindrinigny fanohera ze napizarazara asika. 15Izay zany gny nagnafoagnany gny lalananigny lily vo gny fisipiky ba hanovany olom-bao vao raiky ao aminazy, vo ba hanovany fapihavagna. 16Kristy dra papihava gny vahoaky ro tota ho vata raiky amin'Agnahary amigny alalanigny hazofizalia, dra mamono gny fanohera.17Fa avy Jesosy dra nitory fihavana ho andrareo ze lavisy vo fivavaha ho anireo ze mariny. 18Fa amigny alalan'i Jesosy gny hanagnasika ro tota fifandresa amigny Fagnahy raiky magnagny amigny Ray.19Noho izay, sy vahiny vo pivahiny sasy handrareo Jentilisa zao. Fa vo maiky aza piray firenena miaraky amireo ze olo-masin'Agnahary handrareo sady isanigny akohonan'Agnahary. 20Fa naory teo amigny fotosy fagnoregnan'ireo apostoly vo reo paminany gny vato fehizoro. 21Ao aminazy gny hikamnananigny fagnoregna aby vo hitomboany manahaky gy tepoly ao amigny Topo. 22Ao aminazy avo koa gny hanangana andrareo ho pisy ho an'Agnahary ao amigny Fagnahy.
Chapter 3

1Noho izay, zaho Paoly, dra gadran'i Kristy Jesosy ho andrareo Jentilisa. 2Ataoko fa nahare gny fitatara gny fahasoavan'Agnahary ze name anahy ho andrareo handrareo.3Manorasy araky gny fagnambara napahafatary anahy zaho. Zay gny mary sihita momba ze nisoratiko tamindrareo. 4Gny fa mamaky anizay handrareo, dra ho afaky gny hahazo gny fomba fahazoako anizay mary sihita momban'i Kristy zay. 5Tamireo taranaky hafa dra sy natao fatasy gny zanak'olombelo zay mary zay. Fa amizao koa zay dra zinaka tamigny alalanigny fagnahy tamireo Apostoly vo reo paminany ze voatoka ho amity asa tihoky.6Izay mary sita zay dra mizaka fa reo Jentlisa dra mindray mandova, vo piara-miombo amigny vata, dra mizara gny fapanatena ao amin'i Kristy amigny alalanigny filazasara ereo. 7Fa lasa panopon'izay filazasara izay zaho tamigny fahasoavan'Agnahary name anahy tamigny alalanigny fiasanigny heriny.8Namen'Agnahary anahy zay fagnomeza zay, na dre zaho aza gny farany masaiky amireo olo-masin'Agnahary. Zay fagnomeza zay dra gny ba hitoriako amireo jetilisa gny filazasaranigny haren'i Kristy saro-kasahy. 9Gny fagnomeza-pahasoavan'Agnahary ho anahy dra gny hindesako fagnazava amigny olon'aby gny fandaharan'Agnahary. Io fandahara io dra navonin'Agnahary, gny nahary gny raha aby, nandrisy gny tao maro taloha.10Napahafatary tamigny fengona zay fandahara zay ba hahavy reo panapaky vo reo mana-pahefa agny an-dagnisy hahay gny toetra amigny fahendren'Agnahary. 11Nitranga araky gny fandahara mandrakizay ze taterany tao amin'i Kristy Jesosy Toposika zay.12Fa ao amin'i Kristy gny anagnasika fahasakia vo lala apahatokia nohonigny finoasika Anazy. 13Noho izay mengavy andrareo zaho ba sy ho kivy nohonigny fizaliako ho andrareo, ze voninahindrareo.14Noho izay dra mandohaliky eo agnatrehanigny Ray zah, 15ze nagnome andrareo gny fianakavia agny an-dagnisy aby vo eto atany. 16Mivavaky zaho ba hagnomezany andrareo, araky gny harenigny voninahiny, b ahatazaky amin-kery amigny alalanigny Fagnahy Masy, ze ao amindrareo.17Mivavaky zaho ba hitoby ao apondrareo amigny finoa Kristy, ba hifotosy vo hiory ao amigny fitiavany handrareo. 18Hahazo hery anie handrareo dra ho afa-mahatakasy, miaraky amireo pino aby, gny sakany, gny halavany, gny haabony, dra gny halaliny, 19dra ba hahay gny fitiavan'i Kristy, ze mihoasy gny fahezan'aby, dra ba ho fenonigny fahafenoan'Agnahary aby handrareo.20Dra ho anazy ze mahavita manao mihoasy ze angatahisika aby na eriserisika, araky gny hery ze miasa ao agnatisika, 21ho anazy gny voninahisy ao amigny fengona dra ao amin'i Kristy Jesosy hatramigny taranaky aby mandrakizay doria. Amena.
Chapter 4

1Noho izay, zaho, amigny maha gadra ho anigny Topo anahy, dra mapirisiky andrareo ba handeha apamendreha amigny aso ze nitokava andrareo. 2Mapirisiky andrareo zaho ba hana fanetre-tegna lahibe vo fahasora dra fahareta, mifandefisy amigny fitiava. 3Manova ze faranigny herinao ba hitehiriza gny findresanigny fagnahy amigny fehinigny fihavana.4Raiky avo gny vata dra raiky avo gny fagnahy, manahaky gny nitokava andrareo tao amigny fanatenanigny fitokava andrareo ho raiky avoko. 5Raiky avo koa gny Topo, raiky gny finoa, raiky gny batisa, 6raiky avokoa Zagnahary vo gny ranigny maro, ze agnabonigny raha aby vo amigny alalanigny raha aby zay.7Isika sirairay aby dra name fahasoava araky gny habenigny fagnomezan'i Kristy. 8Araky gny zakanigny Sorasy Masy ho: "Gny fa niakasy tagny amigny abo Izy, dra ninday reo babo ho amigny fahababoa, dra nanolosy fagnomeza ho anigny vahoaky Izy."9Ino gny hevisy gny ho: "Niakasy Izy", raha sy ho nozoso tagny amigny farisy ambaninigny tany avo koa Izy? 10Izy gny nizoso gny olo niakasy ambony tagny andagnisy, ba afahany mameno gny raha aby.11Kristy dra nanolosy gny ilany ho apostoly, gny ilany ho paminany, gny ilany ho evazelista, dra gny ilany ho pasitera vo papianasy. 12Nagnome reo asa reo Izy ba hagnapia reo vahoaky masy ho amigny asa fanopoa, amigny fagnoregna gny vatan'i Kristy. 13Manohy magnory gny vatany Izy mandra-pahatrarasika aby gny firesa-pinoa vo gny faheza gny Zanak'Agnahary, dra ba hahavy asika ho matosy dra ba hahatrasy gny habenigny fahafenon'i Kristy.14Magnory asika Kristy ba sy hanahaky gny zaza ze akopakopanigny oza sasy isika, dra sy handesin'drivosy gny fapenara vo gny hafesen'ireo olo amigny tetiky feno fitaky. 15Fa isika koa, amigny filaza gny fahamarigna amigny fitiava, dra tokony hitombo amigny fomba aby ao amin'Izy ze loha, zany ho, Kristy. 16Kristy dra mananga gny zaka aby, dra nakambany vo natambany tamigny isatognony zay, vo gny fa miasa miaraky reo, dra mahavy gny vatany hitombo ba hapiory gny vatany amigny fitiava.17Noho izay, dra mizaka vo manindry fatrasy anizay ao amigny Topo zaho, ba sy hiay manahaky gny Jentilisa sasy handrareo, amigny fahafoagnanigny fisaignan'ereo. 18Mezy gny fahezan'ereo, tafasaraky amigny fiaignan'Agnahary nohonigny sy faheza ao amin'ereo, nohonigny fahamafisa-pon'ereo. 19Sy mahay megnasy ereo vo manolosy gny vatan'ereo ho amigny filanigny nofo, dra manohy manao anizao karaza-pahalotoa aby zao.20Fa sy zay gny fomba niegnandrareo gny momban'i Kristy. 21Inoako fa nahare gny momba Anazy handrareo, dra napenariny taminazy ao, akory gny fahamarigna dra ao amin'i Jesosy. 22Napenariny handrareo ba hagnary gny fomba fiegnandrareo taloha, ba hagnary toera taloha. Gny toetra taloha ze sola nohonigny fitaky gny filany.23Napenary handrareo ba hihavao ao amigny fanahinigny saindrareo, 24vo hekazo gny olom-baovao ze nihareny araky gny endrin'Agnahary _ ao amigny tena fahamarigna vo fahasigna.25Noho izay, elao gny vandy, dra aoky gny sirairay amindrareo hifapizaka gny mary amigny namany, akory samy isanigny rasanigny maro isiky. 26Miteza fa za manota. Ka anga ho trasinigny masoandro moly gny fahasiahanao. 27Ka magnome hiriky ho anigny devoly.28Ze nangalasy dra sy tokony hangalasy sasy koa. Sy maisy miasa izy, manao asa soa amigny tagnany, ba hanagnany raha ho zara ho anireo ao agnatinigny sy fahapia. 29Ka anga hisy zaka maloto hiboaky boaky amigny vavandrareo. Mapesa zaka ze taliavy amigny fondrareo gny hafa, araky ze taliavin'ereo, ba tena hagnapy reo ze miteno andrareo gny zakandrareo. 30Dra ka mapalahelo gny Fagnahy Masin'Agnahary, fa avy aminazy gny nanova tombo-kase andrareo ho amigny andronigny fagnavota.31Ialao gny olo-po aby, haromota, gny fahasiaha, gny fifamalia, vo gny fifapzan-drasy, miaraky amireo karazan'asa rasy aby. 32Managna fahaleme-pagnahy amigny sirairay aby, fahasora-po, mifamela heloky, manahaky gny namelan'Agnahary andrareo tao amin'i Kristy.
Chapter 5

1Noho izay aoky ba ho pangalatahaky an'Agnahary, manahaky gny zanaky malala. 2Dra mandehana amigny fitiava, araky gny nitiavan'i Kristy asika avo koa vo nagnomeza gny vatany ho asika, fagnatisy mani-pofo vo soro ho an'Agnahary.3Fa sy tokony hisy na dre zaka fizangazanga na kara fahalotoa na sy fahonogna-tegna aza eo amindrareo, fa sy mendriky gny olo-masin'Agnahary reo. 4Aoky sy hisy mamoafaly, resaky adaladala, vo hanihany tafahoasy_fa sy mendriky gny amireo aby. Fa tokony hisy fakasitraha.5Fa afaky mahazo atoky gny amizao handrareo, fa sy hisy pizangazanga, maloto, na gny piery, zany hoe, panopo sapy_mana lova ao amigny fazakan'i Kristy vo Zagnahary. 6Aoky sy hisy hamitaky andrareo amigny zaka tena foa, akory noho reo raha reo dra avy amigny zanaky gny sy fakatoava gny hasiahan'Agnahary amin'ereo.8Fa mezy handrareo faela, fa izao handrareo dra fahazava ao amigny Topo. Mandehana manahaky gny zanaky gny mazava, 9(fa gny vokasy gny fahazava dra ao amigny fahasoavan'aby, fahisia, vo fahamarigna). 10Dra taliavo ze mahasoa gny Topo. 11Ka mikamba amireo asa sy mamokasy gny mezy, fa apiharihario koa reo. 12Fa mahamegnasy na dre gny manognonogno reo raha ataon'ereo agny amigny mivony aza.13Fa gny fa hazavanigny fahazava gny raha raiky, dra lasa miharihary. 14Fa gny raha aby ze miharihary dra fahazava. Noho izay dra voalaza ho: "Mifohaza, hanao mandry, dra misangana amigny toeranigny maty, dra hamirasy aminao Kristy."15Mitandrema amigny fomba fiegnanao _sy manahaky gny sy hendry fa manahaky gny hendry. 16Araroty gny fotoa akory izao andro izao dra rasy. 17Noho izay, ka medaladala, fa takaro ho ino gny sitraponigny Topo.18Dra ka manao mamonigny divay, fa mindesa agny amigny fahasola-totra anizay. Fa aoky ho fenonigny Fagnahy Masy, 19mifapizaka amindrareo dra hira-pagnahy, mihira dra mikaloa amigny Topo amigny fondrareo aby. 20Misora mandrakariva amigny raha aby, amigny agnaran'i Jesosy Kristy Toposika ho an'Agnahary gny Ray, 21mifanolora tegna ami-pagnaza ho an'i Kristy.22Ry apela, magneke gny valindrareo, manahaky gny amigny Topo. 23Fa gny lelahy gny lohanigny vavy manahaky an'i Kristy koa lohanigny fengona, dra Kristy vatany gny pamozy. 24Fa manahaky gny hagnekenigny fengona an'i Kristy, dra manahaky anizay koa gny tokony hagnekenigny apela gny valiny amigny raha aby.25Ry telahy, tiavo gny valindrareo, manahaky gny nitiavan'i Kristy gny fengona vo nagnomezany anazy gny ainy. 26Nanolosy gny vatany ho anigny fengona Kristy ba afahany magnamasy anazy, tamigny fagnadiova anazy tamigny rano fanasa amigny zaka, 27ba afahany maneho anazy ho be voninahisy eo aminazy, sy misy pety na ketro na raha manahaky anizay, fa masy sady sy misy diso.28Manahaky anizay avo koa gny lelahy dra tokony ho tia gny valin'ereo manahaky gny vatan'ereo. Ze tia gny valiny dra tia gny vatany avokoa. 29Sy bo nisy mikarakara gny vatany, fa mamaha vo mikarakara anizay soa, manahaky an'i Kristy mamaha gny fengona vo mikarakara anazy avo koa, 30akory isika dra rasam-batany.31Noho izay atony zay gny lelahy dra handoa gny ray vo gny reniny dra hikamba amigny valiny, dra izy ro dra ho lasa nofo raiky avo." 32Lahibe zay fahamarigna sihita zay_ fa izaho dra mizaka momban'i Kristy vo gny fengona. 33Kanefa, gny sirairay amindrareo avo koa dra tokony ho tia gny valiny manahaky gny vatany, dra gny apela tokony hagnaza gny valiny koa.
Chapter 6

1Ry zanaky, magneke gny ray aman-dreninao ao amigny Topo, akory mety zay. 2"Hazao gny rainao vo gny reninao" (Izay gny lily volohany misy fapanatena), 3"ba hahita soa handrareo vo ba ho lava andro iegna eto amboniny tany."4Handrareo ray, ka minday gny zanandrareo. Fa tezao amigny fisipiky vo reo fapenaranigny Topo ereo.5Ry panopo, makatoava gny topondrareo eto atany amigny haza ambony vo fatahory, amigny fahasoranigny fondrareo. 6Makatoava sy eo amasonigny topondrareo avo ba hakasitrahan'ereo. Fa makatoava manahaky gny panopon'i Kristy, ze manao gny sitrak;Agnahary amigny fondrareo manotolo. 7Manopoa amigny fonadrareo manotolo, manahaky gny ho manopo gny Topo handrareo fa sy olo, 8akory farasika fa na ino na inoasa soa vali-pitia boak'amigny, dra hitakasy vali-pitia boaky amigny Topo izy, na andevo izy na olon'afaky.9Handrareo Topo, manova manahaky reo raha reo avo koa amigny panopondrareo. Ka mapihorohoro anereo. Fataro fa Izy ze sady Topondrareo gny Topon'ereo dra gany andagnisy, vo sy misy fengara ao aminazy.10Farany, mahereza ao amigny Topo vo amigny tazaky gny heriny. 11Itafio gny fialian'Agnahary aby, ba afahanao mizoro manohisy reo tetiky gny devoly.12Fa gny andisika dra sy manohisy gny nofo vo lio. Fa manohisy gny fazaka vo gny fahefa ara-pagnahy vo reo panapaky gny fazakanigny fahamezignan-drasy, manohisy reo fagnahy rasy agny amigny fetoeran-dagnisy. 13Noho zay itafio gny fialian'Agnahary aby, ba afahandrareo mizoro amizao andronigny rasy izao, dra gny fa vitandrareo gny raha aby, dra hahatohisy handrareo.14Mizoro, noho izay, gny fa boaky nanao gny fehitronigny fahamarigna vo gny ferova-trattranigny fahisia handrareo. 15Dra manahaky gny kiraro ho anigny tombondrareo, dra hapetaho gny fahavonogna hitory gny filazasaranigny finoa, ze afahandrareo manohisy reo zana-sipiky mirehis'afomigny rasy.17Dra takaro gny fognolohanigny famozena vo gny sabasigny fagnahy, ze zakan'Agnahary. 18Amigny vavaky vo fangatahan'aby dra mivavaha amigny fagnahy amigny fotoan'aby. Amizay fomba fesaigna zay, dra membena hatrany amigny faharetan'aby, raha manolosy vavaky ho anireo olo-masin'Agnahary handrareo.19Dra mivavaha ho anah, ba hisy hafasy home anahy gny fa manokaky gny vavako zaho. Mivavaha ba afahako mapahafatasy amigny fahavania gny fahamarigna sihita mombanigny filaza sara. 20Ho anigny filaza sara gny maha-ambasadaoro voafehy amigny gadra anahy, ba afahako mitalily anizay apahasahia, raha sy maisy hiza azaho.21Tykiko, gny rahalahy malala vo panopo matoky ao amigny Topo, gny hapahafatasy andrareo gny raha aby, ba hahezandrareo ze ataoko. 22Nirahiko tamindrareo izy noho io tazona io, ba hahafatarandrareo reo raha momba anay, dra ba afahany mapahery gny fondrareo23Fedagna ho amireo rahalahy, dra gny fitiava miaraky amigny finoa boaky amin'Agnahary Ray vo gny Topo Jesosy Kristy. 24Gny fahasoava anie ho amigny maro tia an'i Jesosy Kristy Toposika amigny fitiava sy maty mandrakizay.

Philippians

Chapter 1

1Paoly vo Timoty, mpanompon'i Jesosy Kristy, ho an'ireo voatoka iaby ho an'i Jesosy Kristy ze agny Filipy, miaraky amin'ereo mpiandraikisy vo reo diakona . 2Ho amindrareo seky gny fahasoava vo fiadana laha tamin'Agnahary Rasika vo Jesosy Kristy Topo.3Misaotra gny Zagnahary zaho amin'gny fahasiarovako andrareo. 4Ao amin'gny fivavahako ho andrareo aby, dra amy fifalia hatrany gny anovako gny fivavahako. 5Magnome fisora zaho nohon'gny amy fiombonandrareo amin'gny filazasara nanomboky tamin'gny andro volohany dra hatramin'izao. 6Mahatoky an'izao raha zao zaho, fa Izy ze nanomboky asa soa tamindrareo dra hanohy hagnatateraky anizay hatramin'gny andron'i Jesosy kristy.7Fa soa aminahy gny mahasapa manahaky anizay gny amin'gny momba andrareo aby satria ato am-poko andrareo. Andrareo aby dra mpiara-miasa taminahy tamy fahasoava na tamy figadrako vo tamy fiarovako na koa tamin'gny fagnamafisa gny filazasara. 8Fa Zagnahary gny vavolombeloko, fa many andrareo fatrasy zaho amin'gny famindram-pon'i Kristy Jesosy.9Dra zaho mivavaky an'izao : ba hitombo hatrany hatrany gny fitiavandrareo amin'gny fahalala vo amin'gny fahazava-say aby. 10Mivavaky ho an'izay zaho ba haneky ze soa dra soa andrareo, ba ho so-po vo sy misy signy amin'gny andron'i Kristy. 11Mivavaky zaho ba ho fenon'gny vokasy gny fahamarina ze avy amin'i Jesosy Lristy andrareo, ho voninahisy vo fidera an'Agnahary.12Dra tiako ho fatasindrareo, ry rahalahy, fa reo raha ze nisy taminahy dra niasa ho amin'gny fampandrosoa gny filazasara vatany. 13Voakasin'izay , nifaheko ao amin'i Kristy dra niharihary mazava nanera reo mpiamby lapa iaby vo reo olo hafa. 14Gny akamaroan'ereo rahalahy dra mana toky lahibe ao amin'gny Topo noho gny fehiko, dra mahavany magnambara sy matahosy gny zaka ereo.15Gn'ilany avo dra mandry an'i Kristy amin'gny fialona vo fifagnakania tokoa, dra reo hafa koa amin'gny sitrapo soa. 16Tahoky farany dra manao anizay amin'gny fitiava, mahafatasy fa zaho dra napetraky eto ho fiarova gny filazasara. 17Fa gny volohany dra mitory an'i Kristy amin'gny fitiava-tegna, fa sy so-po. Izy anio dra mihevisy fa hanakorota anahy raha bo ao amin'gny fifehezako zaho.18Ino zay? Amin'gny fomba iaby, dre amin'gny fihasaram-belasihy dre amin'gny fahamarina , Kristy gny tory, dra mifaly gny amin'izay zaho. Eka ho faly zaho, 19fa fatako fa zay dra hiafara amin'gny fanafaha anahy amin'gny alalan'ereo vavakindrareo vo gny fagnampian'gny Fanahin'i Jesosy Kristy.20Zay dra araky gny fiambenako fatrasy vo gny atoky fa zaho dra sy ho megnasy mihisy, dra bo amin'gny fahasahia aby avo,amizao tahaky gny hatrizay , dra hisandrasy ato amin'gny vatako Kristy, na amin'gny fiaigna na amy fahafatesa. 21Ho anahy gny ho miay dra Kristy dra gny ho maty dra tombony.22Fa raha miay amin'gny nofo zaho, dra midika asa mahavokasy ho anahy zay. Kanefa ino gny ho filiko? Sy fatako. 23Fa voatery fatrasy eo agnelagnelan'izy ro zaho. Gny fagniriako dra gny handeha dra hiaraky amin'i Kristy, ze soa lavisy , 24kanefa gny mitoesy ao amin'gny nofo dra taliavy noho andrareo.25Resy lahasy gny amin'izay, dra fatako fa hitoesy vo hanohy hiaraky amindrareo aby zaho,ho agny fandrosoandrareo vo fifalia ao amin'gny finoa. 26Ba ho ao aminahy dra hana atony hirehareha ao amin'i Kristy Jesosy andrareo gny fa mihery agny amindrareo draiky zaho. 27Mindesa vata amin'gny fomba mendriky gny filazasara an'i Kristy ,dra avy hagnety andrareo zaho sre sy eo, dra afaky gny hahare momba andrareo, fa misangana fatrasy amin'gny fanahy raiky andrareo, amin'gny say raiky miara-miezaky ho agny finoa gny filazasara.28Dra ka mety ampitahorin'ereo ze fahavalondrareo. Mariky gny fahatorotoran'ereo zay,fa mariky gny famozendrareo koa-dra zay dra laha tamin'Agnahary. 29Fa nome andrareo zay,ho an'i Kristy , sy ho ba hinoa Anazy avo,fa hizalia ho Anazy koa, 30fa andrareo dra mana aly mitovy amin'izay hitandrareo taminahy,dra ze renao aminahy amizao.
Chapter 2

1Raha misy fampahereza ao amin'i Kristy, raha misy fampionona laha tamin'gny fitiavany, raha misy firaisa ao amin'gny Fanahy, raha misy famindram-po lahibe vo fiatra,2dra atovy feno gny fifaliako amin'gny fisaina tahaky anizay, amin'gny fanagna fitiava mitovy, amin'gny firaisana am-panahy , dra amin'gny fanagna tazo mitovy.3Ka manao dre ino dre ino amin'gny fitiava-tegna na fagnabonia tegna avo. Fa amin'gny fanetre-tegna koa dra mihevera gny hafa mihoasy gny vatandrareo. 4Tokony sy hitalia ze mahasoa gny vatandrareo avo gny kirairaiky , fa ze mahasoa gny hafa avo koa.5Mihevera tahaky gny fisaina ze tao amin'i Kristy Jesosy avo koa. 6Fa nisy araky gny endrik'Agnahary Izy,fa sy nihevisy anizay fitoviany amin'Agnahary zay ho raha hipitiany Izy. 7Gny mifanohisy amin'izay, niravany gny vatany. Nangalaky gny endriky gny mpanompo Izy. Dra niseho ho tahaky gny olombelo Izy. Dra hita nitovy tamin'olombelo Izy. 8Nanetry vata Izy dra avy mpakato hatramin'gny fahafatesa , dra gny fahafatesan'gny hazofizalia!9Noho zay dra nasandrasin'Agnahary agn'abo dra agn'abo avo koa Izy. Nomeny gny agnara ze agn'abonin'gny agnara iaby Izy. 10Nataony zay ba ho amin'gny Agnahan'i Jesosy gny handohalihan'gny lohaliky aby, gny lohalik'ereo ze agny an-dagnisy vo etiho an-tany dra agny ambany tany. 11Nataony zay haneken'gny lela aby fa i Jesosy Kristy gny Topo, ho voninahisin'Agnahary Ray.12Noho zay,ry malalako, tahaky gny akatoavindrareo hatragny, sy eo amin'gny fanatrehako avo fa mihoasy lavisy avo amizao gny fa sy eo zaho,dra asehoy amin'gny tahosy vo mangitikitiky gny famozena andrareo. 13Satria Zagnahary gny miasa ao amindrareo ba ho vono-kanao gny sady hiasa ho agny fifaliany andrareo.14atovy sy am-pitaray na fiadia-hevisy gny raha aby. 15Manova manahaky anizay ba ho avy zanak'Agnahary sy misy signy mary, sy misy handrany andrareo. Miasa manahaky anizay ba hamirapiratandrareo tahaky gny fahazava eo amin'izao totolo zao, eo agnevon'gny taranaky ory sady maheriloha .16Mipitiha fatrasy aminin'gny Zakan'gny fiaigna ba hanagnako atony hirehareha amin'gny androan'i Kristy . Fa amin'izay dra ho fatako fa s levo maiky gny nilomesako dra sy levo maiky gny niasako.17Fa dre ahizoso ho fagnatisy eo amin'gny soro vo fanompom-pinoa avo zaho, dra mifaly zaho, dra miara-mifaly amindrareo aby zaho. 18Dra tahaky anizay koa gny hifaliandrareo, dra miara-mifaly aminahy andrareo.19Fa manatena ao amin'i Topo Jesosy zaho fa handeha an'i Timoty agny amindrareo malaky, ba hahery avo koa zaho gny fa fatako gny raha momba andrareo.20Fa sy mana olo hafa mitovy toe-say aminazy zaho, ze tena magnahy gny amindrareo. 21Fa izy aby dra mitalia gny tombosoany, fa sy gny rahan'i Jesosy kristy.22Fa fatasindrareo gny Fahamendrehany, satria tahaky gny zaza manompo gny rany, gny nanompoany niaraky taminahy tao amin'gny filazasara. 23Dra manatena gny handefa anazy zaho raha vao hitako ho manao akory gny fandeha-draha atiho aminahy. 24Fa matoky gny Topo zaho fa ho laha tagny malaky koa gny vatako.25Fa mieritserisy zaho fa taliavy avo koa gny mampihery an'i Epafrodito agny amindrareo. Ralahiko izy vo mpiara-miasa gny mpiara-mialy, sady minday hafasinereo izy gny mpanompo amin'izay taliaviko. 26Fa tra-pahoria fatrasy izy, dra many gny hiaraky tamindrareo aby izy, satria rendrareo fa narary izy. 27Fa tena narary izy dra fa saiky maty. Fa namindra fo taminazy Zagnahary, dra sy taminazy raiky, fa taminahy koa, ba sy hanagnako alahelo agn'abon'gny alahelo.28Dra amim-paharisiha lahibe aby gny handefasako anazy, dra gny fa hahita anazy draiky andrareo dra ba hifaly dra ho afaky koa amin'gny fanahiako . 29Reso ao amin'gny Topo Epafrodito miaraky amin'gny fifalia aby. Hazao gny olo tahaky anazy. 30Fa ho agny asan'i Kristy gny nanekezany gny fahafatesa. Fa nanao vy levon'gny ay izy hanompoa anahy ba hagnataterahany ze sy afaky nataondrareo tamin'gny fanompoa taminahy.
Chapter 3

1Farany, ry rahalahy, mifalia ao amin'gny Topo. Sy manahira anahy gny mamery manorasy anio raha io ho andrareo. Reo raha reo dra hiaro andrareo. 2Mitandrema amin'ireo amboa. Mitandrema amin'ireo mpanao rasy. Mitandrema amin'ereo fanapahana rasa-bata. 3Fa isika gny voafora . Dra Isika gny manompo amin'gny Fanahin'Agnahary. Dra isika gny mirehareha ao amin'i Kristy Jesosy, dra sy matoky amin'gny nofo.4Dre zay avo, Zaho vatako dra afaky matoky amin'gny nofo. Raha misy olo mihevisy fa izy dra mana fahatokisa amin'gny nofo ,afaky manao mihoasy noho zay zaho. 5Nitapahiny tamin'gny andro fahavalo zaho, teraly tao amin'gny vahoakin'Israely , tao amin'gny fokon'gny Benjamina, Hebreo tao amin'ereo Hebreo zaho; araky gny lalana, dra Fariseo zaho.6Tamin'gny zotom-po, dra nanendriky gny fiangona zaho; Raha gny amin'gny fahamarina ambanin'gny lalana, dra sy nanasigny zaho. 7Fa dre ino dre ino tombony ho anahy, dra nirambesiko ho manahaky gny fatiatoky io noho gny amin'i Kristy.8Raha gny zaka izy , nisafiko ho maty atoky avo koa reo taha aby noho gny halahiben'gny fahalalana an'i Kristy Jesosy Topoko. Noho Izy dra nariako gny raha aby. Heveriko ho fako anio ba hahazoako an'i Kristy 9dra ho hita ao Anazy zaho. Sy mana gny fahamarina ho agny vatako laha tagnin'gny lalana zaho. Fa dra, mana gny fahamarina ze tamin'gny alalan'gny finoa an;i Kristy zaho, fahamarina laha tamin'gny Zagnahary ze mifotosy amin'gny finoa. 10Dra amizao dra te hahafatasy Anazy vo gny herin'gny fisanganany tamin'gny maty dra gny fiombona amin'ireo fizaliany zaho. Te hiova amin'gny alalan'i Kristy zaho ba hagnaraky gny fahafatesany, 11ba hahafahako mahasapa gny fisangana amin'gny maty.12Sy mary fa nandray reo raha reo sahaly zaho, dre koa ho avy tateraky zaho. Fa miezaky zaho ba handrombahako gny nandrombahan'i Kristy Jesosy anahy. 13Ry rahalahy, sy mieriserisy zaho fa gny vatako dra fa nandromboky anizay. Fa misy raha raiky: Aligniko ze agny afara dra miezaky ho an'izay eo aloha zaho. 14Miezaky magnatrasy gny tazony zaho ba hahazo gny lokan'gny toko laha tagny agn'abony lha tamin'Agnahary ao amin'i Kristy Jesosy.15Isika aby ze matosy, ao isika hieriserisy tahaky anizay; dra raha misy eriserisindreo hafa momba raha iaby,dra ho asehon'Agnahary amindrareo avo koa zay. 16Kanefa, dre ino dre ino fa trasisika,ao isika hipitiky amin'izay.17Ao ho mpangalaky tahaky anahy, andrareo ry rahalahy. Diniho soa reo se mandeha araky gny ohasy ze hitandrareo ao aminay. 18Maro reo mandeha -reo ze fa nizakako andrareo matetiky, dra amizao zaho mizaka amindrareo amindranomaso-tahaky gny fahavalon'gny hazofizalian'i Kristy. 19Fandringana gny fiafaran'ereo. Fa gny trony gny zagnahariny, dra gny fireharehan'ereo dra ao amin'gny fahamenarany. Mieriserisy gny rahan'izao totolo zao ereo.20Fa agny an-dagnisy gny fazakasika, ze hiambenasika Mpamozy avo koa, dra gny Topo Jesosy Kristy . 21Izy dra hagnova gny vatagnasika ze malemy ba ho vata manahaky gny vatany feno voninahisy, ze natao tamin'gny herin'gny fahefany ba hampaneky gny raha iaby amin'gny vatany.
Chapter 4

1Noho zay,ry lahalahy malalako ze mahamany anahy, fifaliako vo satroninahiko, amin'izay dra mizoroa soa ao amin'gny Topo, ry namako malala. 2Miangavy an'i Eodia zaho,dra miangavy an'i Syntyke, mitovia say ao amin'gny Topo. 3Dra, mangataky aminao avo koa zaho, ry namako mpiray zioga: Ampio reo ampela reo. Satria ereo dra niara-niasa taminahy tamin'gny fampieleza gny Filazasara niaraky tamin'i Klementa vo reo sisa nama mpiara-miasa aminahy aby, ze fa ao amin'gny Bokin'gny Fiaigna gny agnaran'ereo.4Mifalia hatragny ao amin'gny Topo. Hoy avo koa zaho, mifalia. 5Angao ho fatasy gny olo gny fahasoram-pondrareo aby. Fa mariny gny Topo. 6Ka magnahy dre amin'ino dre amin'ino. Fa dra , amin'gny raha-iaby amin'gny alalany vavaky vo fangataha, miaraky amin'gny fisaora, angao gny fangatahandrareo ho fatasin'Agnahary. 7Dra gny fiadanan'Agnahary, ze mihoasy gny fahalalana aby, hiaro gny fondrareo vo gny fisaignandrareo ao amin'i Kristy Jesosy iaby.8Dra farany , ry rahalahy, dre ino dre ino mary, dre ino dre ino manakaza, dre ino dre ino ara-drariny, dre ino dre ino malio, dre ino dre ino mahafinarisy , dre ino dre ino nizaka fa soa , raha misy dre ino dre ino tena soa, raha misy dre ino dre ino tokony ho dera, dra mandiniha an'ereo raha reo. 9Reo raha ze nianarandrareo vo nirambesindreo vo rendrareo dra hitandrareo taminahy, atovy reo raha reo, dra gny Zagnahary gny fiadana hiaraky amindrareo.10Mifaly be amin'gny Topo zaho satria nihavaozindreo avo amizao gny fiheverandrareo anahy. Fa nihevisy anahy tokoa andrareo teo aloha, fa sy nisy fahafafaha ho andrareo ba hagnapy. 11Sy mizaka anizay zaho satria ao agnatin'gny sy fahapia. Fa nianasy gny hifaly amin'izay toe-draha -miboaky iaby zaho. 12Fatako gny ho mahatra dra fatako koa gny ho manam-be. Amin'gny fomba iaby vo amin'gny raha iaby dra nianasy gny siambaratelon'gny fihinanam-be vo gny haresea zaho, dra gny ho manam-be vo gny ho ao agnatin'gny sy fahapia. 13Afaky manao gny raha iaby zaho amin'gny alalan'gny mapahery anahy.14Kanefa, andrareo nanao gny soa taminahy tamin'gny fahavaniako. 15Dra andrareo Filipiana mahafatasy fa tamin'gny fiandohan'gny filazasara , gny fa nagnenga an'i Makedonia zaho, dra sy nisy fiangona nanoha anahy raha gny mahakasiky gny fagnomeza vo fandraisa afa-sy andrareo avo. 16Dre tamin'izaho tagny Tesalonika avo, dra nandefa fagnapia ho an'izay nitaliaviko mihoasy gny draiky mandeha andrareo. 17Sy ho mitalia fagnomeza zaho. Fa dra, mitalia gny vokasy ze mampiakasy gny voninahindrareo zaho.18Nandramby gny raha aby zaho, dra mana maro dra maro. Fa feno zaho nalako laha tamin'i Epafrodito reo raha laha tamindrareo. Reo dra hagnisy manam-pofo,ze fagnatisy azo eke vo akasitrahan'Agnahary. 19vDra gny Zagnahariko hameno anizay taliavindrareo iaby araky gny hanagnan'gny voninahiny ao amin'i Kristy Jesosy. 20Dra ho an'Agnahary sady Rasika seky gny voninahisy mandrakizay doria . Amen.21Manova veloma agny mpino aby ao amin'i Kristy Jesosy. Reo rahalahy ze miaraky aminahy dra manao veloma andrareo.22Reo mpino aby ze eto manao veloma andrareo , indrindra reo ze laha tao amin'gny fokon'i Kaisara. 23Gny fahasoavan'gny Topo Jesosy Kristy seky ho amin'gny fagnahindrareo. [ Fanamariha: Misy reo fandika gn'ilany magnapy ho:''Amen.'']

Colossians

Chapter 1

1Paoly, apostolin'i Kristy Jososy amigny alalanigny sitrapon'Agnahary, dra i Timoty rahalahisika, 2ho an'ireo pino vo reo rahalahy matoky ao amigny Kristy ze agny Kolosia. Ho amindrareo anie gny fahasoava, vo gny fedagna boak'amin'Agnahary Rasika. [Hagnamariha ambaninigny pezy: "Dra gny Topo Jesosy Kristy"]. 3Magnome fisora an'Agnahary sika, gny Ranigny Toposika Jesosy Kristy, dra mivavaky mandrakariva ho andrareo zahay.4Fa renay gny finoandrareo an'i Kristy Jesosy dra gny fitiava ze anagnandrareo ho anize voatoka ho an'Agnahary aby. 5Mana anizay fitiava zay handrareo noho gny fanatena agny andagnisy. Rendrareo gny momba io fanatena azo atoky iotalohanigny zaka amigny fahamarigna, gny filazasara, 6ze avy amindrareo. Ty filazasara tihoky dra minday vokasy vo mitombo eran'izao totolo izao. Izay dra fa nanao anizay taminao avo koa nanomboky tamigny andro naharezanao anazy dra nianarandrareo gny mombanigny fahasasoavan'Agnahary ao amigny mary.7Tihoky gny filazasara ze araky gny nianarandrareo tamigny Epafra, gny piara-manopo malalasika, ze panopo mahatokin'i Kristy amigny agnarasika. [Fagnamariha ambaninigny pezy: misy dika-zaka mivaky ho: "Amigny agnarandrareo"] 8Napahafatariny Epafra anay gny fitiavandrareo gny Fagnahy.9Noho io fitiava io, hatramigny andro naharezanay anizay dra sy nisahasy nivavaky ho andrareo zahay. Nangataky zahay ba ho feno fahalala gny sitrapony amigny fahendrena aby vo fahalala ara-pagnahy handrareo. 10Nivavaky zahay ba handehanandrareo apahamendreha ao amigny Topo amireo fomba akasitrahan'Agnahary. Nivavaky zahay ba hamokasy amigny asa soa aby handrareo dra ba hitombo fahalala an'Agnahary.11Mivavaky zahay ba hahazo hery amigny fahezan'aby handrareo araky gny herinigny voninahisy amigny fiareta vo gny fahareta. 12Mivavaky zahay ba hagnome fisora anigny Rasika apifalia handrareo, ze nahafahandrareo hanana azara amigny lovan'ireo pino amigny fahazava [Fagnamariha ambany pezy: misy dika-zaka ilany mivaky ho: "Ze nahafahasika nanan'azara"].13Namozy asika tamigny fanapahanigny hezy vo namindra asika ho agny amigny fazakanigny zanadahiny malalany Izy. 14Ao amigny Zanadahiny gny anagnasika gny fagnavota, gny famela reo fahota. [Fagnamariha ambaninigny Pezy: misy dika-zaka ilany mivaky ho: "Ao amigny zanany gny anagnasika fagnavota amigny alalanigny liony, dra gny famela reo fahota."]15Gny zanadahiny draendrikigny zagnahary sy hita maso. Izy gny teraky volohany tamigny faharia. 16Fa tamigny alalany gny naharia gny raha aby, reo ze agny andagnisy vo reo ze eto ambaninigny tany, reo raha hita maso vo reo sy hita. Na reo seza fiandriagna, na reo fanapaha, na reo fitondra-pazaka , na reo mana-pahefa, reo raha aby dra nohary tamigny alalany vo ho anazy. 17Izy gny alohanigny raha aby, dra ao aminazy gny haharetany raha aby.18Izy gny lohanigny vata, vo gny fengona. Izy gny fendoha vo teraky volohany boak'eo agnevon'ireo maty, dra izy gny nana toera volohany teo agnevon'ireo raha aby. 19Akory sitran'Agnahary gny tokony gny hiegnanigny fahasoavany aby ao aminazy, 20dra ba hapihava amigny alalanigny zanadahiny amigny raha-aby amin'izy vatany. Zagnahary dra nihava tamigny alalanigny lionigny hazo fizalia. Zagnahary gny napihava gny raha-aby tamigny vatany, na gny raha aby eto amboniny tany na reo raha agny andagnisy.21Tamigny fotoa raiky, handrareo avo koa, dra vahiny tamin'Agnahary dra fahavalony tao asainy vo tamireo asa rasy. 22Fa amizao izy gny napiahava andrareo tamigny vatany manotolo tamigny alalanigny fahafatesa. Nataony ze ba hanovany andrareo ho masy, sy hana-pondro eo agnatrehany, dra nangala baraka anazy noho gny fagnarasia, 23raha manohy amigny finoa handrareo, miory vo fatrasy ory, dra ka mihataky amignyfanatena mahatokiny filazasara ze rendrareo. Tihoky gny filazasara ze zinaka tamigny olon'aby nohary ambaninigny lagnisy. Tihoky gny filazasara ze nahavy anahy, Paoly, ho panopo.24Amizao zaho dra faly amigny fizaliako ho andrareo, zaho dra nameno gny nofoko ze sy apy amireo fahorian'i Kristy noho gny vatany, dra gny fengona. 25Noho gny fengona gny nahapanopo anahy, araky gny andraikisy avy amin'Agnahary ze nameny anahy ho andrareo, ba hahatateraky gny zakan'Agnahary. 26Io gny mary sihita ze navony nandrisy gny tao maro vo ho anireo taranaky. Fa amizao dra fa niseho zay tamireo ze mino anazy. 27Tamin'ereo gny tian'Agnahary napahafatary reo harenigny voninahis'ity fahamarigna sihita tihoky teo agnevonigny Jentilisa. Izay dra Kristy gny ao aminao, gny tokinigny voninahisy ho avy.28Dra izy gny torinay. Nagnanasy gny olon'aby zahay, dra napenasy gny olon'aby tamigny fahendrena, ba hanolorasika gny olon'aby feno ao amin'i Kristy. 29Noho izay dra miasa fatrasy zaho vo miezaky araky gny tazany ze miasa ato aminahy amigny hery.
Chapter 2

1Fa tiako ho fatandrareo gny halahibenigny taloha nataoko hoandrareo, ho anireo agny Laodikia, vo ho anireo maro bo sy nahita gny tavako tamigny nofo. 2Miasa zaho ba hapahery gny fon'ereo amigny faperesa anereo miaraky ao amigny fitiava vo gny harena aby amigny fahalala azo atoky, ho amigny fahalala gny fahamarigna miafin'Agnahary, zany hoe, i Kristy. 3Ao aminazy gny harenigny fahendrena vo ze fahalalan'aby gny simisy.4Mizaka anizay zaho ba sy hisy hitariky andrareo amigny lahateny mandresy halasy. 5Na dre sy miaraky amindrareo ao amigny nofo aza zaho, dra miaraky amindrareo ao amigny fagnahy. Faly zaho mahita gny filaminandrareo soa vo gny tazakinigny finoandrareo an'i Kristy.6Gny fa nitakasy an'i Kristy an'i Kristy Topo handrareo dra mandehana ao aminazy. 7Mifotora fatrasy aminazy, mioregna ao aminazy, mioregna amigny finoa ze fa napenariny andrareo, dra mazotoa magnome fisora.8Mitandrema ba sy hagnenga olo hisambosy andrareo amigny alalanigny filozofiana gny fitaky araky gny fanaonigny olo, ze magnaraky gny endrik'izao totolo zao, fa mitoera gny fahasoavanigny vatan'Agnahary aby.10Feno handrareo ao aminazy. Izy gny lohanigny hery vo gny fahefan'aby. 11Tao aminazy avo koa handrareo gny nitapahy tamigny fanapaha fangala gny nofo amigny vata, fa tamigny famoran'i Kristy. 12Nindray nalevy taminazy tamigny batisa handrareo, dra tao aminazy gny nanangana andrareo tamigny alalanigny finoa maherin'Agnahary, ze nananga anazy tamireo ze maty.13Gny handrareo maty tamireo fahota vo gny sy fahavitanigny nofondrareo fanapaha, izy gny nagnenga andrareo niaraky taminazy vo nagnenga asika tamireo fahotasika aby. [Fagnamariha: misy dikazaka taloha ilany mivaky ho: "dra nagnenga gny fahotasika aby"] 14Nifafany gny rakisorasika gny trosa-pahafaha vo reo fisipiky nifanohisy tamisika. Nalany izy aby zay dra nifasihiny teo amigny hazo fizalia. 15Nalany reo hery vo reo fahefa, dra Izy nanao fapisehoa apahibemaso an'ereo, nandresy mihoasy an'ereo tamigny hazo fizalia.16Ka anga hisy hisara andrareo na amigny fihinana na amigny finoma, na amigny andro fety na amigny volana vaovao, na amigny andro Sabata. 17Zay gny alok'ireo raha ho avy, fa gny tena izy dra i Kristy.18Ka anga hisy na iza na iza mitalia gny fanetre-tegna vo gny fideranigny azely hisara andrareo dra sy hahazoandrareo gny lokandrareo. Gny olo manahaky anizay dra milisy amigny raha hitany dra mazary mieboebo amigny fisaignanigny nofony. 19Sy mihazo gny lohany izy. Izay dra boaky amigny loha ze namen'Agnahary gny vata manotolo manera reo vani-tola vo gny hozany ze magnome dra mihazon'anizaymitambasy; zay dra mitombo miaraky amigny fapitomboa namen'Agnahary.20Gny maty niaraky tamin'i Kristy handrareo tamireo endrik'izao totolo izao, nagnino handrareo gny miay manahaky gny voatery amigny tany: 21"Ka mihody, ka magnandra, vo ka mikasiky"? 22Izay raha aby zay dra ho anigny fahalova, araky gny torolala vo gny fapenaran'olombelo. 23Reo fisipiky reo dra mana fahendrenigny fomba fivavaha, gny fanetretegna ze nataonigny vatany manoka dra gny fapahoria gny vata. Fa ereo dra sy manan-draza amigny fanohera gny fandefera gny filanigny nofo.
Chapter 3

1Ko raha zagnahary gny nananga andrareo niaraky tamin'i Kristy, kasaho reo raha agnabo agny, ze ipetrahan'i Kristy eo atagna-kavanan'Agnahary. 2Saigno reo raha agny agnabo, fa sy raha eto atany. 3Fa maty handrareo, dra gny fiegnandrareo dra sihita miaraky amin'i Kristy ao amin'Agnahary. 4Gny fa miseho i Kristy, ze fiegnandrareo, dra handrareo koa hiara-hiseho aminazy amim-boninahisy. [Fagnaariha egny ambaninigny pezy: Reo dika zaka taloha mizaka ho: "Gny fa miseho Kristy, ze fiegnandrareo, dra handrareo avo koa dra hiara-hiseho miaraky aminazy amboninahisy.]5Vonoy, boak'eo, reo pikamba ze eto atany- gny filan-drasy, fahalotoa, firehetanigny fila, fagniria rasy, dra fahatenda, ze fanopoa-sapy. 6Noho reo raha reo gny hahavianigny fahasiahan'Agnahary amireo zanaky gny sy fakatoava. [Fagnamariha egny ambaninigny pezy: Gny dika-zaka taloha mivaky ho: "Noho reo raha reo mahavy gny fahasiahan'Agnahary."] 7Tao amireo raha ze nandehanandrareo reo taloha avo koa gny fa bo niay tao amireo handrareo. 8Fa amizao handrareo dra sy maisy magnary anireo raha aby reo - fahasiaha reo fikasan-drasy, reo fanevateva, dra zaka fahavetaveta boaky amigny vavandrareo.9Ka mavandy, fa nariandrareo gny toetra taloha miaraky amireo fapihara anizay, 10dra nitafindrareo gny toetra vaovao ze nihavaoziny ao amigny fahalala araky gny endrikize namorogna nizay. 11Ao amizay dra sy misy Grika vo Jiosy, voatapaky vo gny sy voatapaky, barbaria, Skytiana, andevo, olon'afaky.12Ko, mitafia, araky gny maha-olom-boafilin'Agnahary, masy vo malala, famindra-po, famindra-po, hasoafagnahy, fanetre-tegna, fahaleme-pagnahy, vo fahareta. 13Mifapinday soa. mifamela. Gny misy olo raiky mana fitaregna momba gny olo hafa, mamela manahaky ze nagnanganigny Topo andrareo. 14Agnabonireo raha aby reo, mana fitiava, ze mamehy asika amigny fahatateraha.15Aoky gny fedagnan'i Kristy hanapaky ao amigny fondrareo. Fa ho anizay fedagna zay gny nitokava andrareo ho vata raiky. Dra misora. 16Aoky gny vatan'i Kristy hanagnandrareo maro. Amigny fahendrena aby mifapenara vo mifagnanara amireo Salamo vo fihira dra hora ara-pagnahy. Mihira amigny fisora ao apondrareo ho an'Agnahary. 17Na ino na ino ataondrareo, na amigny zaka na amigny asa, atovy amigny agnaranigny Topo Jesosy aby. Magnomeza fisora ho an'Agnahary gny Ray amigny alalany.18Ry rapela, magneke gny valinao, fa zay gny mety ao amigny Topo. 19Ry lelahy, tiavo gny valindrareo, dra ka masiaky amin'ereo. 20Ry zanaky, makatoava gny ray aman-drenindrareo amigny raha aby, fa izay gny akasitraha ao amigny Topo. 21Ry ray, ka manao ze mapalahelo reo zanandrareo, ba sy ho kivy ereo.22Ry andevo, makatoava gny topondrareo araky gny nofo amireo raha aby, sy amigny asa eo amaso manahaky gny olo pitalia sitraky, fa amigny fo sotra. Matahora gny Topo. 23Na ino na ino ataondrareo, mesa boaky amigny fagnahindrareo manahaky gny ho anigny Topo fa handrareo dra hitakasy gny valisoanigny lova boaky amigny Topo. Izy gny Topo Kristy ze Topondrareo. 25Fa ze manao gny sy fahamarigna dra hitakasy gny seza ho anigny sy fahamarigna ze nataony, dra sy misy fagnatia tarehy.
Chapter 4

1Ry Topo, ameo reo andevo ze mary vo rariny. Fatandrareo fa handrareo avo koa mana topo raiky agny andagnisy.2Mahareta mandrakariva amigny fivavaha. Miambena amize amigny fagnomeza fisora. 3Miaraha mivavaky ho anay avo koa, ba hanokafan'Agnahary vatrangara ho anigny zaka, ba hizaka gny fahamarigna miafin'i Kristy. Nohonigny amizay, dra voafehy zaho. 4Mivavaha ba ahafahako magnazava anizay, raha tokony hizaka zaho.5Mandehana amigny fahendrena agny amireo ze agny ivelany, dra araroty gny fotoa. Aoky gny zakandrareo hiaraky amigny fahasoava hatragny. 6Aoky reo ho voto-sira, ba hahafahandrareo mahay gny fomba tokony hamaliandrareo gny olo sirairay.7Gny reo raha momba anahy, dra i Tykyko gny hapahafatasy anio amindrareo. Izy dra rahalahy malala, panopo mahatoky, dra piara-manopo ao amin'ny Topo. 8Nalefako agny amindrareo izy noho izao, ba ahafahandrareo mahafatasy gny raha momba anay, dra ba ahafahany mapahery gny fondrareo. [Fagnamariha egny ambanin'ny pezy: reo dika-teny sasany taloha mivaky ho: ''nalefako agny amindrareo izy noho izao, ba ahafahany mahafatasy reo raha momba andrareo, dra ba ahafahany mapahery gny fondrareo''.] 9Nalefako izy nindray tamin'i Onesimosy, gny rahalahy mahatoky sady malala, izay raiky amindrareo. Izy reo gny hizaka amindrareo gny raha aby izay fa nintranga tatiky.10Aristarko, gny mindray migadra aminahy, dra manao salama andrareo, manahaky izay koa i Marka, havan'i Barnabasy (izay nahazoandrareo baiko; gny magnagny amindrareo izy, dra rambeso), 11Dra Jesosy avokoa izay tokavy ho Josto.Ireo avy amigny voafora reo ho an'ny fazakan'i Zagnahary. Fapionogna hon'ahy izy reo.12Epafra dra manao salama andrareo. Raiky amindrareo izy dra panopon'i Kristy Jesosy. Mitolo am-bavaky ho andrareo foana izy, ba hahatateraky andrareo dra hahazo atoky tateraky ao amigny sitrapon'i Zagnahary aby. 13Fa mizoro vavolombelo hon'azy zaho, fa miasa fatrasy ho andrareo izy, vo ho an'ireo agny Laodika, dra ho an'ireo izay agny Hierapolia. 14Lioka gny pisabo malala vo Demasy dra manao salama andrareo.15Atovy akory reo rahalahy agny Laodika, vo NYmfa, dra gny fiangona izay ao atragnony. 16Gny voavaky eo agnivondrareo itiky taratasy itiky, dra atovy vakiana ao amigny fengonan'ny Laodikiana avo koa gny taratasy avy agny Laodika. 17Zakao i Arikipo ho: ''Tandremo gny asa fanopoa izay nalanao tao amigny topo, fa tokony ho taterahinareo izay.''18Ty fanovam-beloma tihoky dra ataonigny tagnako manoka- Paoly. Sarovy gny fifaheko. Ho amindrareo anie gny fahasoava.

1 Thessalonians

Chapter 1

1Paoly,Silasy,dra Timoty ho agny fiangon'ereo Tesaloniana ao amin'Agnahary Ray vo Jesosy Kristy Topo.Ho amindrareo seky gny fahasoava vo gny fiadana.[Fanamarigna:reo dika-zaka gn'ilany taloha dra mivaky ho:''Ho amindrareo seky gny fahasoava vo fiadana laha tamin'Agnahary Ray vo Kesosy kristy Topo.'']2Magnome fisora an'Agnahary mandrakariva zahay gny amindrareo iaby,dra manogno andrareo amin'gny vavakay.3Izahay dra sy mizano gny mahasiaro andrareo eo anatrehan'Agnahary Rasika gny asan'gny finoandrareo,gny asan'gny fitiavandrareo,dra fahatokisandrareo maharisy ho agny ho avy ao amin'i Jesosy Kristy Toposika.4Ry rahalahy tian'Agnahary,fatanay Fa Izy dra fa nifily andrareo,5satria gny filazasaranay dra avy tamindrareo sy tamin'gny zaka avo,fa tamin'gny hery avo koa,tamin'gny Fanahy Masy,dra gny fahatokia be.Mitovy amin'izay,andrareo koa dra mahay ho olo mahalala manao akory teo amindrareo noho gny amindrareo.'v 6 Nazary nanahaky anay vo gny Topo andrareo,tamin'gny nandrasandrareo gny zaka tamy aly sarosy lahibe vo tamin'gny fifalia laha tamin'i Fanahy Masy.7Vokasin'izay, lnahavy ohasy hon'gny maro ze mino ao Makedonia vo Akaia andrareo.8Fa avy tamindrareo gny nagnenoan'gny zakan'i Topo,dra sy tao Makedinia vo Akaia avo.Fa dra,zaka amy toera nielezany gny finoandrareo an'Agnahary iaby.Vokasin'izay,dra sy mila mizaka dre ino dre ino isika.9Fa ereo avo gny hizaka ze fandraisa azonay teo amindrareo.Izy reo dra mizaka gny fomba nitolihandrareo tamin'Agnahary dra niala tamin'ereo sapy ba hanopo an'Agnahary velo vo mary.10Ereo dra nitao fa andrareo dra miamby gny Zanany laha tagny an-dagnisy,ze nasangany tamin'ereo maty.Jesesy zay,ze magnafaky asika amin'gny fahoria ho avy.
Chapter 2

1Fa gny vatandrareo dra mahay ,ry rahalahy,fa gny fahavianay teto amindrareo dra sy rava.2Fatasindrareo fa teo aloha dra nizaly dra nala-baraka tagny Filipy zahay.Zahay dra mahavany tao amin'Agnaharinay hizaka tamindrareo gny filazaran'Agnahary tao agnatin'gny fanohera lahibe.3Satria gny fagnanaranay dra sy laha tamin'gny fahadisoa,dre laha tamin'gny fahalotoa,dre laha tamin'gny fitaky.4Fa dra,araky gny nakatoavin'Agnahary anay ba hatokisa amin'gny filazasara,noho zay dra mizaka zahay.Mizaka zahay,sy hampifaly gny olo,fa hampifaly an'Agnahary.Izy gny mahay gny fonay.5Satria sy dra napiasa na dre ombia dre ombia reo zaka fandokafa zahay,araky gny fatasindrareo,na koa ho fiala-signy amin'gny fisiriritamsatria Zagnahary gny vavolombelo nay.6Na koa nitalia gny voninahisy laha tamin'gny olo zahay,na koa laha tamindrareo na laha tamin'ereo hafa.Zahay dra afaky nitaky reo tombosoa tahaky gny apostolin'i Kristy.7Fa dra,zahay dra sotra teo amindrareo manahaky gny reny makahery gny zanany naterany.[ Fanamariha:Reo dika-zaka hafa gn'ilany dra mivaky tahaky anizao :''Fa dra,zahay dra tahaky gny zazamasaiky teo amindrareo, gny fa makahery gny zanany naterany gny reniny.'']8Dra manahaky anizay gny nanagnanay fitiava ho andrareo.Faly zahay mizara amindrareo,sy gny filazasara an'Agnahary avo,fa gny fiaignanay manoka avo koa.Satria andrareo dra lasa malalanay tokoa.9Satria tadidindrareo,ry rahalahy, gny asanay vo gny fisarananay. Andro amagn'aly gny niasanay ba sy ahafahanay mampinday mavesasy gny raiky amindrareo.Nandrisy anizay fotoa zay,dra nitory gny filazasaran'Agnahary tamindrareo zahay.10Andrareo gny vavolombeno,dra Zagnahary avo koa,fa masy,vo mary,dra sy manasiny gny fandesa-vatanay teo amindrareo ze mino.11Manahaky anizay avo koa dra fatasindrareo ho tahaky gny ino gny nataony tamindrareo kirairaiky tahaky gny ataon'gny ray amin'gny zanany naterany,12niangavy vo nakahery dra nandrisiky andrareo zahay ba handeha amin'gny fomba ze mendriky an'Agnahary, ze mitoka andrareo ho ao amy fazakany vo gny voninahiny manoka.13Fa ze atony zay gny isoranay avo koa an'Agnahary mandrakariva.Fa andrareo gny fa nandray laha taminay gny gafasin'Agnahary ze rendrareo zay sy ho tahaky gny zakan'olo.Fa dra,nirambesindrareo zay araky ze mary,dra gny zakan'Agnahary.Zay zaka zay avo koa gny miasa eo amindrareo ze mino.14Satria andrareo,ry rahalahy,dra lasa tahaky gny fiangonan'Agnahary agny Jodia ze amin'i Jesosy Kristy.Fa andrareo avo koa dra nijaly tamin'ereo raha reo avo noho gny nataon'ereo mpiray tanindraza amindrareo,sahala gny nahazo anazy reo koa noho gny nataon'i Joosy taminazy.15Reo Jiosy gny namono na an'i Jesosy Kristy na reo paminany.Reo Jiosy gny nandroaky anay.Sy nakasitraky an'Agnahary ereo.Fa dra,ereo dra fahavalon'gn'olo aby. 16Ereo dra nandrara anay sy hizaka amin'ereo zetilisa ba sy hamozena anazy io.Vokasin'izay dra mameno gny fahotan'gny vatany mandrakariva ereo.Gny fahoria dra sy maisy avy eo amin'ereo amy farany.17Tafasaraky tamindrareo zahay,ry rahalahy,nandrisy gny fotoa fohy,tamin'gny fanatreha fa sy tamin'gny fo. Tena nazoto fatrasy zahay,nagniry fatrasy,gny hahita gny tarehidreo.18Satria nagniry gny ho agny amindrareo zahay,zaho,Paoly,matetitetiky,nefa nanaka anay i Devoly.19Fa ino moa gny fanatena gny ho avy, dre fifalia,dre satro-boninahisy gny fandresena eo anatrehan'i Jesosy Toposika amy fihaviany?Moa sy andrareo manahaky gn'ilany hafa koa? 20Fa andrareo gny voninahisy vo fifalianay.
Chapter 3

1Noho zay,gny fa sy afaky niarisy anizay sasy zahay,dra niesitseretinay fa soa gny mipetraky raiky tao Atena. 2Nandefa an'i Timoty zahay,rahalahinay vo mpiara-miasa ho an'Agnahary ao amin'gny filazaran'i Kristy,ba hanamafy vo hakahery momban'gny finoandrareo.[ Fanamariha: Gny dika-zaka gn'ilany hafa taloha dra mivaky ho:''Nandefa an'i Timoty zahay,rahalahinay dra panopon'Agnahary ao amin'gny filazasaran'i Kristy.'']3Nataonay zay ba sy hisy olo ho taisy noho reo fahoria reo.Fa gny vatandrareo dra mahafatasy fa zay gny nanendre asika.4Mary vatany,gny fa niaraky tamindrareo zahay,dra nizaka mialoha tamindrareo fa isika dra sy maisy hapahoria,dra nisy zay,araky gny fatandrareo. 5Noho zay atony zay,gny fa sy naharisy anizay sasy zaho,dra nagniraky ba ahafatarako gny finoandrareo. Vasa gny mpangalaky fagnahy dra fa nangalaky fagnahy andrareo,dra ho raha-fahatany gny asasika.6Fa avy tatiho aminay laha tagny amindrareo i Timoty dra ninday gny vaovao mahafalin'gny finoa vo fitiandrareo ho anay.Nizaka taminay izy fa andrareo dra mana fahasarova soa anay avo,dra andrareo dra magniry fatrasy gny ahita anay tahaky gny fagnirianay ahita andrareo.7Noho zay,ry rahalahy,zahay dra nampaherezindrareo noho gny finoandrareo,tao agnatin'gny fahatahora vo fahorianay aby.8Fa amizao velo zahay,raha mipitiky fatrasy amin'gny Topo andrareo. 9Fa fisaora manahaky gny nanao akory gny azonay ome an'Agnahary gny amindrareo, tamin'gny fifalia ze anagnanay aby teo anatrehan'Agnahary noho gny amindrareo?10Mivavaky fatrasy andro maray vo hariva zahay ba mety ahita gny endrikindrareo vo amasy ze sy apy ao amin'gny finoandrareo.11Zagnahary Rasika vatany,dra Jesosy Toposika seky, hagnisy gny lalanay ho amindrareo.12Gny Topo seky hampitombo vo hampandroso amy fifakatiavandrareo amin'gny hafa vo gny olo iaby,tahaky gny ataonay amindrareo koa. 13Izy seky hagnamafy gny fondrareo,dra ba sy hanasiny amin'gny fahamasina ereo eo anatrehan'Agnahary Rasika,amin'gny fihiavin'i Jesosy Toposika bamin'ereo masiny iaby.
Chapter 4

1Dra farany,ry rahalahy,mampahery vo magnanasy andrareo zahay ao amin'gny Topo Jesosy.Raha nahazo reo fampianara laha taminay andrareo momban'gny fomba sy maisy handehanandrareo vo hamalifaliandrareo an'Agnahary, amin'io lala andehana io avo koa, dra ba anovandrareo mihosy anizay.2Fa andrareo dra mahafatasy gny fampianara ze nomenay andrareo tamin'gny alalan'i Jesosy Topo.3Fa zao gny sitrapon'Agnahary,dra gny hanamasigna andrareo,ba hialandrareo amin'gny fizangazanga,4ze ahafataran'gny kirairaiky aby amindrareo gny fomba ahazoa gny eta gny vatany ao amy fahamasina vo voninahisy, 5sy amy fila-drasy (tahaky gny zetilisa ze sy mahafatasy an'Agnahary). 6Ao sy hisy olo handika na hagnarasy gny rahalahiny amin'izay.Fa gny Topo gny mamaly amin'io raha-iaby io,tahaky gny nampitandremanay mialoha vo nizoroanay vavolombelo tamindrareo.7Fa Zagnahary sy nitoka anay ho amin'gny fahalotoa,fa amin'gny fahamasina.8Noho zay, ze manda anizay dra sy manda olo,fa Zagnahary,ze nagnome gny Fanahiny Masy ho andrareo.9Momban'gny fifakatiavan'gny mpiralahy,sy mila olo hafa andrareo hanorasy ho andrareo,fa andrareo vatandrareo dra nampianarin'Agnahary ba hifakatia.10Ataindrareo vatany zay,ho an'ereo rahalahy iaby ze eran'i Makedonia. Fa zahay dra magnanasy andrareo,ry rahalahy,ba hanao mihoasy .11Magnanasy andrareo avo koa zahay ba hanandra hiay am-pilamina, hisay gny raharandrareo manoka,dra hiasa amin'gny vatanandrareo,araky gny nandidianay andrareo, 12ba hanagnandrareo fandesa-tegna mendriky eo anatrehan'ereo sy mino dra sy hana-raha manakosiky.13Fa sy tianay sy ho fatasindrareo,ry rahalahy,gny momba gny ze maty,ba sy halahelovandrareo tahaky reo ambiny ze sy mana atoky gny amin'gny ho avy.14Fa raha mino isika fa Jesosy dra maty dra nisanga draiky,dra manahaky anizay koa gny hindesan'Agnahary miaraky amin'i Jesosy reo ze fa nimaty tao aminazy.15Fa zao gny zakanay amindrareo tamin'gny zakan'gny Topo,fa isika ze velo,ze sisa tavela amin'gny fahavian'i Topo,dra sy hialoha vatany gny ze nimaty.16Fa gny tanan'i Topo gny hizoso laha tagny an-dagnisy. Ho avy miaraky amin'gny feo agn'abo Izy,miaraky amin'gny feon'Arkazely,dra miaraky amin'gny trompetran'Agnahary,dra gny maty ao amin'i Kristy gny hisanga volohany. 17Laha teo isika ze velo,ze sisa tavela,hiaraky hiakasy amin'ereo egny amin'gny raho dra hihao amin'gny Topo egny amin'gny lagnisy.Amin'izay dra hiaraky amin'gny Topo mandrakariva isika. 18Noho zay,mifakahereza amin'ereo zaka reo.
Chapter 5

1Amizao mikasiky gny fotoa vo reo vanim-potoa,ry rahalahy,sy mila dre ino dre ino voasorasy ho andrareo drareo.2Fa andrareo vatandrareo mahafatasy soa fa gny andron'gny Topo dra ho avy tahaky gny mpangalasy amin'gny hariva .3Gny fa mizaka ereo,''Miadagna vo milamina,''dra fahatorotoroa tapoky gny ho avy amin'ereo. Ho tahaky gny fahararian'gny ampela beoka gny fa miteraky zay.Sy ho afa-mandositry mihisy ereo.4Fa andrareo,ry rahalahy,dra sy ao agnatin'gny hezy ka hahatrasy andrareo tapoky tahaky gny mpangalasy gny andro.5Fa andrareo aby dra zanaky gny mazava vo zanaky gny andro. Sy zanaky gny hariva isika na gny hezy.6Noho zay,andeha isika sy handry tahaky gny fataon'gn'ilany.Fa dra,ao isika hiamby vo hamindro.7Fa reo ze mandry dra manao anizay amin'gny hariva,dra reo ze mamo dra manao anizay avo koa amin'gny hariva.8Fa raha bo agny andro isika,dra sy maisy mamindro isika dra misy finoa vo fitiava ho fiarova-tratra,dra gny atoky gny famozena amin'gny ho avy ho fiarovan-dohasika.9Fa Zagnahary sy nanendry asika ho amin'gny fahoria,fa hahazoa gny famozena amin'gny alalan'i Jesosy Kristy Toposika. 10Izy gny maty ho asika,dre mifoha isika dre mandry ,dra afaky miara-miay aminazy.11Dra noho zay mifampionona dra mifampahereza andrareo,tahaky gny fa nataondrareo.12Mangataky amindrareo zahay,ry rahalahy,ba hanekendrareo ze mikely ay amindrareo vo minday andrareo amin'gny Topo dra ze magnanasy andrareo.13Mangataky andrarei avo koa zahay ba hagnaza anazy reo am-pitiava noho gny asan'ereo. Mihavana amin'gny vatandrareo.14Magnanasy andrareo zahay,ry rahalahy :Mampitandrema gny fikorotagna,hapaherezo reo kivy,ampio reo malemy,mahareta amin'gny raha iaby.15Indro sy misy olo mamaly rasy gny rasy dre amin'iza dre iza.Fa dra,mitaliava ze soa ho agny kirairaiky vo ho agny olo iaby.16Mifalia mandrakariva.17Ka misahasy mivavaky.18Misora amin'gny raha aby.Fa zay gny sitrapon'Agnahary ao amin'i Kristy Jesosy ho andrareo.19Ka mamono gny Fagnahy.20Ka manao sinosino reo faminania.21Andramo gny raha-iaby.Mipitia amin'izay soa.22Esory reo fisehoan'gny rasy aby.23Zagnahary gny fiadana seky hampamasy anao tateraky.Ao gny fagnahinao manotolo,gny ay ,dra gny vatany dra hahazan'i Jesosy Kristy Toposika.24Mahatoky izy gny mitoka anao,gny raiky ze hanao anizay avo koa.25Ry rahalahy,mivavaha avo koa ho anay.26Arahabao amin'gny fanoroha masy gny rahalahy aby.27Mangataky amindrareo amin'gny Topo zahy ba ho vakia amin'gny rahalahy aby itiho taratasy itiho.28Ho andrareo seky gny fahasoavan'i Jesosy Kristy Toposika.

2 Thessalonians

Chapter 1

1Paoly,vo Silasy,dra Timoty,ho agny amin'gny fiangonan'ereo Tesaloniana ao amin'Agnahary Rasika vo Jesosy Kristy Topo.2Ho amindrareo anie gny fahasoava vo fiadana laha tamin'Agnagary Rasika vo Jesosy Kristy Topo.3Zahay dra tokony hagnome fisora an'Agnahary ho andrareo avo,ry rahalahy.Fa zay gny soa atao,satria tena mitombo fatrasy gny finoandrareo,dra gny fitiavandrareo kirairaiky dra mitombo ho an'gny hafa.4Noho zay dra zahay vatanay dra mizaka am-pirehareha momba andrareo eo amin'ireo fiangonan'Agnahary.Zahay dra miresaky gny momban'gny faharetandrareo dra gny finoandrareo tamin'izay nagnendreha andrareo iaby. Miresaky momban'ereo fahoria ze niaretandrareo.5Zay dra famatara gny fisara marin'Agnahary.Gny vokany dra horesy ho mendriky gny fazakan'Agnahary ze nizaliandrareo .6Mary amin'Agnahary gny hamaly fahoria reo ze napahory andrareo,7dra hagnome fisara ho andrareo ze nasiaky niaraky taminay.Ataony zay amin'gny fiboahan'i Jesosy Topo Laha tagny an-dagnisy miaraky amin'ereo azelin'gny heriny.8Ao amy afo miredareda hanovany gny valifaty amin'ereo ze sy mahay an'Agnahary vo amin'ereo ze sy mamaly gny filazasaran'i Jesosy Toposika.9Izy reo gny lelahy amin'gny famezignan'gny fandringana mandrakizay lavisy gny fanatrehan'gny Topo vo gny voninahisy gny hery.10Hanao anizay izy gny fa avy amin'izay andro zay ba hagnomezan'olony voninahisy anazy vo higagan'ereo ze nino aby.Fa gny fizoroanay vavolombelo amindrareo dra ninoa.11Noho zay dra mivavaky mandrakariva ho andrareo avo koa zahay.Mivavaky zahay ba ho mendriky gny ho rambesin'Agnaharisika amin'gny fitokava iaignandrareo.Mivavaky zahay ba ho taterahiny amy heriny gny fagniriandrareo gny fahasara vo gny asan'gny finoa iaby. 12Mivavaky ho an'ereo raha reo zahay ba omendrareo voninahisy gny agnaran'i Jesosy Toposika.Mivavaky zahay ba hagnomezany voninahisy andrareo,nohon'gny fahasoavan'Agnaharisika vo Jesosy Kristy Topo.
Chapter 2

1Amizao gny momba gny fiavian'i Jesosy Kristy Toposika vo gny namory asika hiaraky aminazy:Magnotany andrareo zahay,ry rahalahy,2ba sy ho mora hitakosiky dre hitahosy andrareo,dre amin'gny fagnahy,dre amin'gny hafasy,dre amin'gny taratasy ze manahaky gny ho hoavy aminay,noho gny vokasy gny fahavian'izay andron'gny Topo zay.3Ka anga hisy olo hamitaky andrareo dre amy fomba manao akory.Fa sy ho avy zay raha sy tafany fahavian'gny filavoany,dra gny lelahy pandika lalana dra aboao,gny zanaky gny fahasimba.[ Fanamarigna: Gny dika-zaka talohan'gn'ilany dra mivaky ho:''dra gny lelahy mpanota dra aboao''].4Izy gny manohisy vo manadrasy gny vatany amin'izay aby tokavy ho Zagnahary dre ze ivavaha.Vokasin'izay,dra nipetraky tao amin'gny fiangonan'Agnahary izy dra mampiboaky gny vatany ho tahaky gny Zagnahary.5Sy tadidindrareo se fa fony zaho niaraky tamindrareo dra fa nizaka reo raha reo?6Amizao fatasindrareo ino gny mita anazy,ba hisehoany amin'gny foto mety ho raiky avo.7Fa gny raha-mivony gny fandikan-dalana dra fa miasa,misy olo raiky avo misaka anazy amizao madra-pangala anazy teo amin'gny lala.8Laha teo rena mandiky lalana dra ho aseho,ze hovonin'i Jesosy Topo amin'gny fofonain'gny vavany.Gny Topo dra hinday anazy amin'gny sy misy dikany amin'gny alalan'gny fisehoan'gny fiviany.9Gny fiavian'gny tena mpandiky lalana dra noho gny asan'gny devoly miaraky amin'gny hery ,reo famatara,dra gny fahagaga sy mary,10dra miaraky amin'gny fitaky aby gny amin'gny sy fahamarigna.Gny raha reo dra ho an'ereo ze levo,satria ereo dra sy nandray gny fitiavan'gny fahamarigna ba ahavoavozy.11Noho zay atony zay dra mandefa asan'gny fahadisoa Zagnahary ba hinoan'ereo gny vandy.12Vokasin'izay dra hosara iaby gn'olo,reo ze sy mino gny fahamarigna fa koa mangalaky fahafinareta amin'gny sy fahamarigna.13Fa zahay dra tokony magnome fosora an'Agnahary avo ho andrareo,ry rahalahy nitiavin'gny Topo.Fa Zagnahary gny nifily andrareo tahaky reo voloham-bokasy ho agny famozena amin'gny fanamasina gny Fagnahy vo gny finoa gny fahamarina.[Fanamarigna:Gny dika-zaka dra mivaky tahaky zao:''Fa Zagnahary dra nifily andrareo hatramin'gny volohany ho agny famozena].14Zay gny nitokavany andrareo tamin'gny alalany filazasaranay ba ahazoandrareo gny voninahisin'i Jesosy Kristy Toposika.15Dra noho zay,ry rahalahy,mizoroa fatrasy.Tano reo fahamarigna ze nampianary andrareo .Dre tamin'gny zaka dre tamin'gny taratasinay.16Amizao ao i Jesosy Kristy Toposika vatany,dra Zagnahary Rasika ze tiasika vo nagnome asika fakahereza mandrakizay vo gny fahatokisa soa ho agny ho avy amin'gny alalan'gny fahasoava,17hakahery dra hametraky gny fondrareo amin'gny asa soa iaby vi gny zaka.
Chapter 3

1Amizao,ry rahalahy,mivavaha ho anay,ba ho dera vo homem-boninahisy gny zakan'i Topo,dra manahak'izay avo koa gny amindrareo.2Mivavaha ba ho afaky amin'ereo rasy fagnahy vo olo-drasy zahay,fa sy gny mana-pinoa iaby.3Fa gny Topo dra mahatoky,ze magnamafy orina vo miamby andrareo amin'gny rasy.4Mana fahatokia amin'i Topo momba andrareo zahay,ba hanovandrareo gny hanohizandrareo gny raha ze nandia anay andrareo.5Gny Topo seky hitariky gny fondrareo ho amin'gny fitiavan'Agnahary vo gny fiaretan'i Kristy.6Amizao mandidy andrareo zahay,ry rahalahy,amin'gny agnaran'i Jesosy Kristy Toposika,ba hiala amin'ereo rahalahy aby ze miay ao agnatin'gny hakamoa vo sy araky reo fomandraza ze nirambesinereo taminay.7Fa andrareo vatandrareo dra mahafatasy fa mety amindrareo gny mangalaky tahaky anay.Sy niay teo agnevondrareo tahaky reo ze ay nana fisipiky zahay.8Sy nihina hanin'olo sy naloa vola zahay.Fa dra ,niasa andro amak'aly tamin'gny asa sarosy vo gny raha-sarosy zahay,ba sy ho eta-mavesasy ho agny kirairaiky amindrareo.9Sy ho nohon'gny sy fanagna fahefa gny nanovanay anizay.Fa koa,nanao anizay zahay ba ho fankatahaky ho andrareo,ka ba hanahaky anay andrareo.10Gny fa niaraky tamindrareo zahay,dra nandidy andrareo ho:''Raha misy raiky sy te hiasa,dra sy tokony hihina izy.''11Fa mahare zahay f miraviravy tagna gn'ilany amindareo.Sy miasa ereo fa pisabaky.12Amizao gn'olo tahaky anizay dra didinay vo hanarinay amin'i Jesosy Kristy Topo, ba hiasa am-pahangina vo hihina gny hanin'ereo manoka.13Fa andrareo,ry rahalahy,ka mamoy fo amin'gny fanova ze mary.14Raha misy sy makato gny zakasika amin'itiho taratasy itiho,mariho eo amason'olo izy dra ka mana fifandraisa aminazy,dra mety ho megnasy izy.15Ka resy ho fahavalo izy,fa hanaro hanahaky gny rahalahy.16Fa gny Topon'gny fiadana seky hagnome fiadana andrareo amin'ereo fotoa vo amin'ereo fomba aby.Ho amindrareo aby seky gny Topo.17Itiho gny fanovako velo,zaho Paoly,tamin'gny tagnako,ze famatara amin'gny taratasy iaby.Zao gny sorako.18Gny fahasoavan'i Jesosy Kristy Toposika seky ho amindrareo aby.

1 Timothy

Chapter 1

1Paoly, Apostolin'i Kristy Jesosy araky gny didin'Agnahry pamozy asika vo i Kristy tokisika, 2ho an'i Timoty, zanadahy marina eo amigny finoa: Fahasoava, famindra-po, dra fiadagna boakamin'Agnahary Ray vo i Kristy Jesosy Toposika.3Araky gny nangatahiko fatrasy hataonao gny fa niala tao Makedonia zaho, mitoboha ao Efesosy ba hahafahanao mibaiko reo olo ilany sy hapianasy foto-fapianara hafa 4Sy tokony hitandry reo tatara vo tetiara sy misy fiafarany ereo. Reo dra niteraky alihevisy fa sy magnapy gny drafis'Agnahary, ze amigny alalanigny finoa.5Dra gny tazonigny didy dra fitiava boak'amigny fo malio, avy amigny feonigny fierisereta soa, dra avy amigny finoa sy mihasaravelatsihy. 6Gny olo ilany dra sy nahatrasy gny tazony dra niala tamireo raha reo ho agny amigny lahazaka molamola. 7Ereo dra te ho papiana-dalana, kanefa ereo sy mahazo ze zakany vo hizingizin'ereo. 8Fa isika dra mahafatasy fa gny lalana dra soa ra misy raiky mapiasa anazy amigny ara-dalana.9Isika dra mahafatasy anizay, fa gny lalana dra sy natao ho anigny olo-mary, fa ho anigny pandika lalana vo olo pikomy, ho anireo rasy fagnahy vo gny pagnota, dra ho anireo zagnahary sizy vo sy masy. Izay dra natao ho anireo ze mamono gny reniny amin-drany, ho anireo pamono olo, 10ho anireo sodomita, ho anireo pangalaky akeriny olo ba ho andevoziny, ho anireo pavandy, ho anireo vavolombelo sy mary, dre na ino na ino hafa manohisy gny fapenara mahatoky. 11Io fapenara mahatoky amigny filazasaranigny voninahinigny Zagnahary voatahy ze akiny taninahy.12Isaorako i Kristy Jesosy Tposika. Napahery anahy Izy, Fa nataony mahatoky Zaho, dra nanendry anahy ho amigny fanopoa Izy. 13Izaho dra pizaka rasy, pagnarasy, dra lelahy masiaky. Kanefa nanazo famindra- po zaho akory tamigny sy faheza gny nanovako anizay noho gny sy finoa. 14Fa gny fahasoavanigny Toposika gny nandrakosy tamigny finoa vo gny fitiava ze ao amin'i Kristy Jesosy.15Izao hafasy izao dra azo atoky vo mendriky gny fagneke aby, fa i Kristy Jesosy dra avy teto atany hamozy reo panota. Izaho gny rasy indrindra tamireo. 16Fa noho izay atony izay gny namindra fo taminahy, ba amigny alalako, gny lahibe indrindra, i Kristy Jesosy dra mety haneho gny faharetan'aby. Nanao anizay Izy ho hoasy ho anireo ze magniry hatoky Anazy ho anigny fiegna mandrakizay. 17Dra ho anigny pazakanigny tao, sy mety maty, sy hita maso, gny Zagnahary toka, anie gny laza sy voninahisy mandrakizay doria. Amena.18Izao didy izao gny ameko anao, Timoty, zanako, araky reo faminania natao momba anao tagny aloha, fa hanao dra mety hialy gny aly soa, 19gny fiazogna gny finoa vo gny feonigny fierisereta soa. Tamigny fandava zay, misy gny nanao sambo vaky gny finoany. 20Manahaky an'i Hymeneo vo Aleksandro, ze natolotro ho an'i Satana ba apianara anereo sy hizaka rasy.
Chapter 2

1Volohany noho izay, dra mapirisiky zaho reo fangataha, vavaky, fifina, dra fisora dra natao ho anigny olon'aby, 2ho an'ireo pazaka vo reo eo amigny fahefa aby, ba ahafahasika miay apiadagna vo miay apilamina amigny toe-pagnahy araky an'Agnahary vo fahamendreha aby. 3Izay dra soa vo azo eke eo agnatrehan'Agnahry pamozisika. 4Reo ba hoveze aby gny olon'aby dra ho avy amigny fahalalaha gny mary.5Fa raiky avo gny Zagnahary, dra raiky avo koa gny pagnelagnela an'Agnahry vo gny olo, dra gny lelahy Kristy Jesosy. 6Izy nagnome gny vatany ho vilim-pagnavota ho anigny maro, manahaky gny fizoroa vavolombelo amigny fotoa tokony ho Izy. 7Fa amizay fagniria zay, Zaho, gny vatako, dra natao ho pitory vo ho apostoly. Mizaka gny mary zaho. Sy mavandy zaho. Papianasy an'ireo zetilisa amigny finoa vo fahamarigna zaho.8Noho izay, tiako gny lelahy na eza na eza ba hivavaky vo hanandra-tegna masy sy apahasiaha na amigny fifandira. 9Manahaky anizay koa, taiko gny apela ba hekazo akazo mendriky gny vatako, amigny fahamotigna vo fahafeheza-tegna. Sy tokony hanao volomitaly, na volamena, na voangy, na akazo lafo vily. 10Tiako ereohiakazo amize mety ho an'ireoapela ze maneho teo-pagnahy araky an'Agnahary amigny alalan'ireo asa soa.11Gny apela dra tokony hianasy apahangina dra hagneky tateraky. 12Sy angako hapianasy gny apela na hapihasy amigny lelahy, fa hizano ao agnaty fahangina.13Fa Adama gny noforogny volohany, boak'eo i Eva. 14Adama dra sy voafitaky, fa gny apela gny voafitaky tateraky tamigny fandikan-dalana izy amigny alalanigny fiteraha-zaza, raha mitohy amigny finoa vo fitiava dra fahamasigna miaraky amigny fahonogna tegna.
Chapter 3

1Matokia anizao zaka zao: Raha misy olo raiky magniry gny ho pendrekisy, dra magniry asa soa izy. 2Noho izay dra gny pendrekisy dra sy maisy sy mana-signy. Sy maisy manambaly apela toka izy. Izy dra tokony hahay handazalasa, hendry, tia filamina, tia mitakasy olo. Sy maisy mahay mapianasy izy. 3Sy tokony za-drasy amigny divay izy, sy tia aly, fa koa, malemy fagnahy, feno fedagna-po. Izy dra sy tokony ho tia vola.4Tokony hitatara soa gny tokatragnony izy, dra reo zanany dra tokony hagnely anazy apagnaza tateraky. 5Fa raha sy mahay mitatara gny tokatragnony izy, dra ino gny ho karakarany gny fengonan'Agnahary?6Sy tokony ho olo vo niova fo izy, ba sy hiebo ebo dra ho lavo amigny fahasiaha manahaky gny devoly. 7Izy avo koa dra sy maisy soa laza amireo olo egny ivelany, ba sy ho lavo agnaty fahafaham-baraka vo gny fandriky gny devoly.8Reo Diakona, manahaky anizay avo koa, dra tokony hino divay maro loasy na sy mahay ono ara-salafo. 9Tokony hita gny fahamarignanigny finoa zinakany mindray amigny feonigny fierisereta malio. 10Ereo avo koa dra tokony ho sedra meloha, boak'eo dra tokony hanopo akory manasigny ereo.11Reo apela avo koa dra tokony ho mendriky anizay. Sy tokony ho pagnendrijendriky ereo. Tokony hahay handazalaza dra mahatoky amigny raha aby. 12Reo Diakona, dra tokony hanambaly apela raiky. sy maisy mitatara soa reo zanany vo gny tokatragnony ereo. 13Fa reo ze nanopo soa dra hitakasy gny laza soa vo fahatokisa lahibe amigny finoa ho anigny vatan'ereo ao amin'i Jesosy Jesosy.14Manorasy any ty raha tahoky aminao zaho, dra manatena gny ho avt sy ho ela agny aminao zaho. 15Fa raha soa zaho, dra manorasy ba hahafataranadrareo gny fitondrategna ao amigny tokatragnon'Agnahary, ze fengonan'Agnahary velo, gny vato fehizoro vo fiorenanigny fahamarigna.16Sy azo lavisy fa gny fahamarina zinaka anizay araky an'Agnahary dra lahibe: "Izy dra niseho tamigny nofo, nihamarininigny fagnahy, hitanigny azely, zinaka teo agnevonigny ferenena, ninoan'izao totolo izao, dra nasandrasy tamim-boninahisy."
Chapter 4

1Amizao mizaka mazava soa gny fagnahy fa amigny fotoa agny afara agny dra hiala amigny finoa gny olo ilany dra mitandrema soa gny amireo fagnahy pamitaky vo reo fapenaran'ireo demonia 2amigny fihasambelasihinigny pavandy. Fa voamariky amigny vy ma gny feonigny fieriseretan'ereo.3Ho raran'ereo gny manambaly vo gny mitakasy reo hany ze nifognin'agnahary ho zara miaraky amigny fisora eo amireo ze mino vo ze mahafatasy gny mary. 4Fa gny raha aby ze niforognin'Agnahary dra soa. Sy misy ho lavy gny raha nitakarisika tami-pisora. 5Fa nihamasiny tamigny zakan'Agnahary vo gny vavaky zay.6Raha atobindrareo eo anoloan'ireo rahalahy reo raha reo, dra ho panopo soan'i Jesosy Kristy handrareo. Fa niteza tamireo zakanigny finoa vo tamigny fapenara soa ze narahindrareo handrareo. 7Fa lavo gny vandy tataranigny apela atisy. Fa koa, tariho hagnome voninahisy an'Agnahary gny vatandrareo. 8Fa gny vata ho fany dra masaiky avo gny azo apiasa anazy, nefa fapesa amigny raha aby gny toesy araky an'agnahary. Mihazo gny fapanatena ami'ty fiegna amizao tihoky vo gny fiegnako aby.9Ty hafasy tihoky dra mendri-pitokisa vo mendriky gny fahafenonigny fagneke. 10Fa noho izay dra hitolo vo hiasa fatrasy sika. Fa matoky ao amin'Agnahary velo isika, ze pamozy gny olon'aby, indrindra reo ze mino.11Talilio vo apenaro reo raha reo. 12Aoky sy hisy olo hanao sinosino gny fahatanoranao. Fa koa, aoky ho ohasy ho an'ireo ze mino, amigny fizaka, fitondra-tegna, fitiava, finoa, dra fahadiova. 13Mandra-pahaviko, tohizo gny famakia, gny fagnanara, vo gny fapenara.14Ka atao sinosino gny fagnomeza-pahasoava ze ao aminao, ze name anao tamigny alalanigny faminania, nindray tamigny fametraha-tagnan'ireo loholo. 15Arovy reo raha reo. Meteza ho ao amin'ereo, ba hiharihary amigny olon'aby gny fandrosoanao. 16Tandremo soa gny vatanao vo gny fapenara. Tohizo reo raha reo. Fa raha manao manahaky anizay, dra ho vozenao gny vatanao vo reo miteno anao.
Chapter 5

1Ka masiaky gny olon'atisy. Fa koa, anaro manahaky gny ray izy. Anaro manahaky gny rahalahy reo lelahy tanora. 2Anaro manahaky gny reny reo apela atisy, dra reo apela manahaky anabavy ao amigny fahaliovan'aby.3Magnaza reo pinday vata. 4Fa raha managnanaky na zafy gny pinday vata raiky, dra angao ereo hianasy haneho fagnaza ao amigny tokatragnony. Aoky ereo hamaly babe reo ray aman-dreniny, akory akasitrahan'Agnahary zay.5Fa gny tena pinday vata dra nanga raiky. Mametraky gny fitokiany amin'Agnahary izy. Mitoby hatragny amireo fangataha vo vavaky ando aman'aly. 6Na izay aza, gny apela ze miay ho anigny fahafinareta dra maty, na dre bo velo aza izy.7Toria zay raha zay ba sy anagnanereo signy. 8Fa raha misy olo sy magnome ho an'ireo ze ao amigny akohonany, dra nanda gny finoa anazy dra rasy lavisy noho gny sy pino.9Aoky hosoraty ho pitonddra tegna gny apela ze sy lasaky gny enipolo tao, apela raiky ze valinigny lelahy raiky. 10Tokony ho fatasy noho reo asa soa izy, na nikarakara reo zaza, na avokoa napetragno reo pivahiny, na nanasa gny tombok'ireo pino, na nagnameva gny ory, na nanolo-bata tamigny asa soa aby.11Fa ho anireo pinday vatan bo tanora koa, dra ka magneky gny hanorasy anereo ao agnaty lisita. Fa gny fa milavo-lefo amigny falanigny nofo hanohisy an'i Kristy ereo, drate-hanambaly. 12Amizay ereo dra hahazo fagnameloha akory namadiky gny fanoloram-batany volohany. 13Dra lasa zasy malaiky koa ereo. Mandehana mitety tragno. Sy mazary halaiky avo ereo, fa lasa pisiko vo tialy avo koa ereo. Mizaka raha ze sy tokony ho zakany ereo.14Noho izay dra tiako hanambaly reo apela bo tanora reo, hiteraky, hikarakara tokatragno, ba sy ahafahany magnome iriky gny fahavalo hangalasy anay ho nanao rasy. 15Fa gny ilany fa nivily hagnaraky an'i Satana. 16Raha misy apela mino mana pitondra, aoky izy hagnapy anereo, ba sy hamesasy gny fengona, ba hahafahany magnapy reo tena pitondra tegna mary.17Aoky reo loholo ze manapaky soa ba ho takary ho mendri-boninahisy miapy ro heny, indrindra reo ze miasa miaraky amigny zaka vo amigny fapenara. 18Fa hoy gny Sorasy Masy ho: "Sy tokony hagnisy fehiny gny vavanigny gny agnomby hanao raha bo mively vao izy." dra: "Gny piasa dra mendriky gny karamany."19Ka mitakasy fiapanga manohisy gny loholo raiky raha sy misy vavolombelo ro na telo. 20Ahisio eo agnatrehanigny maro reo panota ba hatahosy gny ambiny hafa.21Mididy anao fatrasy zaho eo agnatrehan'Agnahary vo eo agnatrehan'i Kristy Jesosy dra reo azely voafily, ba hihazognanao reo lily reo sy misy fizakazaka vo ba sy hanovanao na ino na ino amigny fiandania. 22Ka meky manoby tagna amin'iza na iza. Ka mindray ao amigny fahotanigny olo-kafa. Tokony hita gny vatanao halio hanao.23Tokony sy hino rano sasy hanao. Fa koa, tokony hitakasy divay kely hanao ho anigny vavony vo reo aretinao mateti-pitranga. 24Gny fahotanireo olo ilany dra fatasy miharihary, dra ereo mandeha alohanireo ao amigny fisara. Fa gny ota ilagny mindray avy boaky afara. 25Manahaky anizay avokoa, misy asa soa fatasy miharihary, fe seky reo ilany aza dra siazo avony.
Chapter 6

1Aoky reo aby ze ao ambaninigny zioga manahaky reo devoly ba hanao gny topony ho mendriky gny haza aby. Ereo dra tokony hanao anizay ba sy hizaka rasy gny agnaran'Agnahary vo gny fapenara. 2Reo andevo ze mana topo mino dra sy tokony hanao sinosino anereo akory pirahalahy aminazy. Fa koa, ereo dra tokony hanopo anireo hatragny hatragny. Fa reo topo ze napia tamigny asan'ereo dra pino vo tia. Apianaro vo talilio reo raha reo.3Hevero fa gny olo dra mapianasy amigny fomba hafa vo sy magneky gny fanoroasika ara-pinoa, ze, zakan'i Jesosy Kristy Toposika. Hevero fa ereo dra sy magneky gny fapenara ze minday agny amigny toera araky an'Agnahary. 4Ze olo zehoky dra merehareha vo sy mahalala na ino na ino. Fa koa, izy dra molan'ireo alihevisy vo reo fandresen-dahasy momba anireo zaka reo. Reo zaka reo dra miteraky felogna, fanevateva, ahiahy rasy, 5dra gny fifandogna eo amireo olo maloto fandinia. Miala amigny mary ereo. Mihevisy izy fa toetra araky an'Agnahary gny fomba ahavia ho panandraha. [Fagnamariha: Gny fandika taloha ilany dra magnapy ho: "Mela amigny raha manahaky anizay". Fa gny fandika taloha soa dra sy magnapy izay.]6Dra gny tora araky an'Agnahary miaraky amigny fahafaha-po dra tombony lahibe. 7Akory isika dra sy ninday na ino na ino amizao totolo izao. Sy hahavita hinday na ino na ino isika. 8Fa koa, aoky isika ho afa-po amigny hany vo gny fekazoa.9Dra reo ze te ho lasa panan-draha dra lasaky ao agnatinigny faka-panahy, ao agnatinigny fandriky. Lasaky tao agnatinigny hamola vo reo filana mapidi-doza maro ereo, vo meraky reo hafa mandetiky reo olo ao amigny faharava vo gny fandringa. 10Akory fotos'ireo karaza-drasy aby magniry anizay dra fa voavily niala tamigny finoa dra nanindro gny vatan'ereo fahoria lahibe.11Fa hanao, ry lelahin'Agnahary, mienga reo raha reo. Miezaky mitalia gny fahamarigna, gny toetra araky an'Agnahary, gny fahareta dra gny hasoafagnahy. 12Mialia gny aly soanigny finoa. Hazogny gny fiegna mandrakizay fa ho amizay gny nitokava anao. Izay dra momba gny nizoroanao vavolombelo gny amizay hanao teo agnatrehan'ireo vavolombelo maro tamize soa.13Izaho dra magnome anao ize lily zay eto agnoloan'Agnahary, ze nahavy gny raha aby ho velo, dra eo agnatrehan'i Kristy jesosy, ze nizaka gny mary teo agnatrehan'i Pontio pilato: 14Tehirizo soa gny lily, simana-signy, mandra-pisehonigny toposika Jesosy Kristy.15Gny zagnahary dra maneho gny hisehoany amigny fotoa tokony ho izy_ Zagnahary, gny ray ze nitahy, gny hery toka, gny pazaka ze mazaka, dra gny Topo ze manapaky. 16Ereo avo gny mana gny sy fahafatesa dra mitoby eo amigny hazava sy azo hagnatogna. Sy misy olombelo mahita anazy na afaky magnety anazy. Ho anazy anie gny voninahisy vo gny hery mandrakizay. Amena17Zakao gny panan-draha amizao totolo zao ba sy hirehareha, vo manategna gny vara, ze sy azo atoky. Fa koa, tokony hanategna an'Agnahary ereo. Magnome asika gny hareny mary aby Izy ba hifaliasika. 18Zakao ereo ba hanao gny sao, ba hanandraha amigny asa soa, ba halala-tagna, dra vonona hagnome. 19Amizay fomba zay, dra ho tehirizin'ereo gny fotosy soa ho anigny vatany amize hoavy, dra hihazognany gny zaka fiegna.20Ry Timoty, arovy ze natolosy anao. Ialao gny zaka mola vo gny fandresen-dahasy minohisy momba gny fitokava sy izy gny amizao atao ho fahalala.21Gny olo ilany dra mitalily an'ze raha zay ko dra sy nahasiaro gny ninoany ereo. Ho amindrareo anie gny fahasoava.

2 Timothy

Chapter 1

1Paoly, apostolin'i Kristy Jesosy tamigny alalanigny sitrapon'Agnahary, araky gny fapanatenanigny fiegna ze ao amin'i Kristy Jesosy, 2an'i Timoty, zanaky tia: Fahasoava, fiatra, dra fedagna boak'amin'Agnahary gny Ray vo i Kristy Jesosy Toposika.3Misaotra an'Agnahary zaho, ze Topoko boak'amireo razambeko, miaraky amigny feonigny fierisereta malio, manahaky gny hahasiarovako anao mandrakariva amigny fivavahako andro aman'aly. 4Manahaky gny hahasiarovako reo ranomasonao, magniry fatrasy gny hahita anao zaho, dra mety ho feno hafalia zaho. 5Napahasiahivy taminahy gny finoanao mary, ze niay volohany tao amigny renibenao Loisa vo gny reninao Eonisa, dra resy lahasy zaho zao fa miay ao aminao avo koa.6Izay gny tokony apahasiahiviho anao ba hapesanao ndraiky gny fagnomezan'Agnahary aminao amigny alalanigny fametrahako tagna. 7Fa Zagnahary sy nagnome fagnahinigny tahisy asika, fa gny hary vo fitiava dra fifeheza-tegna.8Ka megnasy amigny fizoroa vavolombelo mombanigny Toposika, na aninahy, Paoly, gny gadrany. Fa koa, mizara amigny fahoria gny filazasara araky gny herin'Agnahary. 9Fa Zagnahary gny namozy asika vo nitoka asika tamigny toka masy. Nanao anizay Izy, sy noho reo asasika, fa nohonigny drafisy ze fa nataony vo gny fahasoavany. Na dre bo sy niandoha aza gny fotoa dra fa nagnome asika anireo raha reo tao amin'i Kristy Jesosy Izy. 10Fa amizao gny famozen'Agnahary dra zinaka tamigny alalanigny fesehoan'i Kristy Jesosy pagnavosy asika. Kristy ze nagnafoa gny fahafatesa vo nianday fiegna ze sy ho tapisy mandrakizay ba hagnazava amigny alalanigny filazasara. 11Noho izay, dra voatondro ho pitory teny zaho, ho apostoly, dra ho papianasy. [Fagnamariha: Reo dika zaka ilany dra magnapy ho: "Ho anigny Jentilisa."]12Fa noho izay atony zay dra mizaly amireo raha reo avo koa zaho. Fa sy megnasy zaho, akory fataso Izy gny ninoako. Resy lahasy zaho fa afaky mita ze fa nakiniki taminazy Izy mandra-pahavian'izay andro zay. 13Tano gny ohasy momba reo hafasy gny finoa ze rendrareo vo gny fitiava ze ao amin'i Kristy Jesosy. 14Gny raha soa ze nataon'Agnahary taminao, ambeno amigny alalanigny Fagnahy Masy zay, ze miay ao amisika.15Fasao zay, fa ze nitoby tagny Azia aby dra nivadiky taminazy. Ao amin'io fikambagna io reo Fizelio vo reo Hermozena. 16Enga anie gny Topo hagnome famindra-po amigny tokatragnon'i Onesiforo, akory namelombelo anahy matetiky izy dra sy megnasy tamigny gadrako. 17Fa koa, gny fa tagny Roma izy, dra nitalia anahy fatrasy, dra nahita anahy izy. 18Gny Topo anie haneho anazy dra hahita gny famindra-po boaky aminazy amizay andro zay. Reo fomba aby nagnapiany anahy tao Efesosy, dra fatandrareo soa.
Chapter 2

1Noho izay hanao, ry zanako, mahereza ao amigny fahasoava ze ao amin'i Jesosy Kristy. 2Reo raha rendrareo boaky aminahy teo agnatrehanigny vavolombelo maro, dra akino amigny olo matoky ze afaky hapianasy gny ilany koa.3Miareta raha sarosy miaraky aminahy, manahaky gny maramila soan'i Jesosy Kristy. 4Sy misy maramila manopo raha bo voafandik'ireo rahaharan'izao fiegna zao, ba hafahany mapifaly gny lehibeny. 5Raha misy olo mifanina manahaky gny atleta, dra mitakasy gny satro-boninahisy izy raha sy mifanina amigny alalan'ireo fisipiky.6Taliavy gny fandresanigny pamboly ze miasa fatrasy gny azara vokasy volohany. 7Saigno gny momba ze zakako, fa gny Topo gny hagnome andrareo gny fahatakara amigny raha aby.8Sarovy Jesosy Kristy, boaky amigny taranak'i Davita, ze nasanga tamireo maty. Izay dra araky gny hafasy gny filazasarako, 9ze mapizaly anahy gny amigny famehea manahaky gny panopo olo. Fa gny zakan'Agnahary dra sy voafehy. 10Noho izay hiaretako gny raha aby ho an'ireo voafily, ba ho amin'i Kristy Jesosy avo koa ereo, miaraky amigny voninahisy mandrakizay.11Ty tany tihoky dra mendri-pitokisa: "Raha maty nindray taminazy isika, dra ho velo hindray aminazy avo koa. 12Raha miarisy isika, dra hagnaza hiaraky aminazy avo koa. Raha manda anazy isika, dra handa asika vo koa Izy. 13Raha sy mahatoky isika, dra hahatoky avo izy, akory sy afaky manda gny vatany Izy."14Apahasiahivo anereo hatragny reo raha reo. Apitandremo eo agnatrehan'Agnahary ereo ba sy hifamaly momba reo zaka reo. Noho io dra sy misy raha taliavy. Noho io dra misy fahasola ho an'ireo ze miteno. [Fagnamariha: gny dika zaka ilany dra mivaky ho: "Apitandremo eo agnatrehan'Agnahary ereo] 15Ameo gny soa boak'aminao ba hanoloranao vata ho an'Agnahary manahaky gny akatoavy, piasa ze sy mana atony hahamegnasy, ze mapianasy gny zakany fahamarigna amigny tokony ho izy.16Ialao gny zaka rasy, ze minday sikelikeky agny amigny faharasia-pagnahy. 17Gny zakan'ereo dra hiely manahaky gny fery mandoaky. Eo agnevon'ireo Hymeneo vo Fileto. 18Ereo gny lelahy sy ba nahay gny mary. Mizaka ereo fa gny fisanga amigny maty dra fa niboaky. Solan'ereo gny finoanigny ilany.19Na dre izay aza, gny fotosy fatrasy orin'Agnahary dra mizoro. Mana ty sorasy tihoky: "Gny Topo dra mahafatasy reo ze anazy." vo "Ze manogno gny agnaranigny Topo aby dra sy maisy miala amigny sy fahamarigna." 20Ao amigny tragnonigny panan-draha, dra sy reo pisy volamena vo volafosy avo koa gny ao. Misy avo koa reo pisy hazo vo tanimanga. Gny ilany amireo dra hapesa amim-boninahisy, dra gny ilany ho amigny fangalam-baraka. 21Raha misy olo magnalio gny vatany ho afaky amigny fahafaham-baraka, dra fitoboha mana-kaza izy. Izy dra voatoka, taliavinigny Topony, dra voaoma amigny asa soa aby.22Menga an'ireo filanigny tanora. Mikasaha fahamarigna, finoa, fitiava, dra fihavagna miaraky amireo ze mitoka gny Topo amigny fo malio. 23Fe seky melegna reo fagnotania molamola vo sy misy fotony. Fatasao fa miteraky aly reo.24Gny panoponigny Topo dra sy tokony mifalisy. Fa koa sy maisy malemy fagnahy amigny raha aby izy, mahay mapianasy, vo maharin-draha. 25Sy maisy ao amigny fahaleme-pagnahy gny apenarany reo ze manohisy anazy. Fa vasa i Zagnahary mety hagnome anereo fibebaha ho anigny fahalala gny mary. 26Mety holy ndraiky gny fisaignan'ereo dra hagnenga gny fandriky gny devoly, gny fa avy nisamboriny tamigny sitrapony.
Chapter 3

1Fa fataro zao: amireo andro farany dra sy hisy reo fotoa-sarosy. 2Akory gny olo ho tia tegna, tia vola, ho pirehareha, ho pandoka tegna, ho panevateva an'Agnahary, sy manoa ray amn-dreny, sy misaotra, vo sy masy. 3Sy hana-pitiava gny fianakavia ereo, panohitohisy, ho pagnendrikendriky, sy hahafehy tegna, hahery setra, sy ho tia gny soa. 4ho pamadiky ereo, sy misy eriserisy, pagnambony tegna, tia fahafinareta mihoasy noho reo tia an'Agnahary.5Hana gny toetra manahaky an'Agnahary ereo, kanefa dra handa gny heriny. Miala amireo olo reo. 6Akory gny ilany tamireo olo reo dra reo lelahy ze milisy ao atokatragno dra mahababo reo apela mola. Reo gny apela ze sy afaky amigny fahota vo voatariky amireo fila samihafa. 7Reo apela reo dra mianasy avo, kanefa sy ho avy amigny fahafatara gny fahamarigna mihisy.8Manahaky anizay avo koa i Jana vo i Jambra nisanga nanohisy an'i Mosesy. Tamizay dra nisanga avo koa reo papianasy sandoky reo hanohisy gny mary. EReo dra lelahy sy salama say, sy akasitrahany tamigny finoa. 9Fa sy handroso lavisy ereo. Akory gny hamolany dra ho hita mazava amigny olon'aby, manahky gny anireo lelahy reo.10Fa raha handrareo koa, dra fa nagnaraky gny fapenarako, gny fitondra, gny fikasa, gny finoa, gny fahareta-po, gny fitiava, gny fahareta, 11reo fagnezeha, reo fizalia, vo ze nitranga taminahy tagny Antiokia, tagny Ikonioma dra tagny Lystra. Niarisy reo fagnezeha zaho. Boaky amireo aby reo, dra namozy anahy gny Topo. 12Ze tehiay araky gny fomban'Agnahary ao amin'i Kristy Jesosy dra ho kinia. 13Reo olon-drasy vo reo pisandoky dra ho agny amigny rasy hatragny. Ereo dra hitariky reo olo-kafa ho agny amigny lalan-diso. Dra ereo vatany dra ho voatariky amizay koa.14Fa raha handrareo koa, mitoby ao amireo raha ze fa nianarandrareo vo ze fa ninoandrareo fatrasy ho avy amin'iza gny fa nianarandrareo. 15Fatandrareo fa hatramigny fahazaza dra fa nahay reo asa sarasy masy handrareo. Reo dra hahavita hahahendry andrareo ho amigny famezena amigny alalanigny finoa an'i Jesosy Kristy.16Gny sorasy Masy aby dra avy amigny sindrimandrin'Agnahary. Izay dra tomony ho anigny foto-papianara, ho anigny fanondroa reo diso, ho anigny fagnisia, dra ho anigny fapiofagna amigny fahamarigna. 17Izay dra ba hahaavy gny lelahin'Agnahary hahay gny soa, vo ho voaoma tateraky amigny asa soa aby.
Chapter 4

1Izaho dra magnome ty lily sarosy tihoky eo agnatrehan'Agnahary vo Jesosy Kristy, ze hisara gny velo vo gny fazaka: 2Mitoria gny zaka. Mivonogna na amigny fotoa na sy amigny fotoa na tsy amigny fotoa. Magnanara, mizaka mafy, mapirisiha, ami-pahareta vo gny fapianara aby.3Akory ho avy gny fotoa ze sy hazakanigny olo gny feonigny fapianara. Fa koa, ereo dra hisafidy papianasy ho anazy araky reo fagniriany manoka. Reo dra hagnitikitiky gny sofin'ereo. 4Hangalaky gny fitenoan'ereo amigny fahamarigna reo, dra hivily ho agny amireo vandy. 5Kanefa handrareo, erisereto soa gny raha aby. Hiareto gny raha sosotra; atovy gny asanigny evazelista; tateraho gny fanopoandrareo.6Akory fa hatolosy sahady zaho. Fa avy gny fotoa hialako. 7Izaho dra fa nahavita gny aly soa; fa nahavita gny hazakazaky zaho; fa nitanako gny finoa. 8Gny satro-bononahisy gny fahamarigna dra fa voatoka ho anahy, ze hamenigny Topo, gny pisara mary, ho anahy amizay andro zay, dra sy ho anahy raiky avo, fa ho anireo ze fa nitia gny fesehoany aby.9Ameo ze soa aby boaky aminao ba handehana aminahy atiky malaky. 10Akory i DEmasy fa nagnenga anahy. Tiany zao totolo zao dra fa nandeha tagny Tesalonika izy. Kreska dra nagnagny Galatia, dra Titosy agnagny Dalmatia.11Lioka raiky avo gny mindray aminahy. Alao i Marka dra andeso izy miaraky aminao akory taliaviko amigny asa izy. 12Tykiko dra nalefako tagny Efesosy. 13Gny lamba ze nangako tao Troasy miaraky amigny Karpo, andeso igny gny fa avy hanao, dra reo boky, indrindra reo mifogno holisy.14Alksandro gny panefy varahy dra napiharihary asa rasy maro taminahy. Gny Topo dra hamaly anazy araky reo asany. 15Hanao avo koa dra tokony hitandry gny vatanao aminazy, akory izy dra manohisy fatrasy reo zakanay. 16Tamigny ferova-tegnako volohany, sy nisy nanoha anahy. Nefa koa, gny olon'aby nagnenga anahy. Aoky ba sy ho voaheloky amizay ereo.17Fa gny Topo dra nisanga teo agnilako dra nakahery anahy omba maigny alalako, gny fagnambara dra afaky taterahy tateraky, dra ba afaky hahare reo Jentilisa aby. Izaho dra avosy tamigny vavanigny lio. 18Gny topo dra hagnavosy anahy amigny asa rasy aby dra hamozy anahy amigny fazakany agny an-dagnisy. Ho anazy anie gny voninahisy mandrakizay doria. Amena.19Atovy veloma i Prisila, i Akoila, dra reo akohonan'i Onesiforosy. 20Erasto dra nitoby tao Korinto, fa i Trofimo dra nengako fa narary ao Mileto. 21Omeo ze soa boaky aminao ba ahaviako alohanigny ririniny. Manao veloma anao i Eolobolo, dra Poda avo koa, Lino, Klaodio, dra reo rahalahy aby. 22Hindray amigny fagnahinao anie gny Topo. Ho amindrareo anie gny fahasoava.

Titus

Chapter 1

1Paoly,mpanompon'Agnahary dra Apostolin'i Jesosy Kristy,hagnamafy gny finoan'gny olom-boafilin'Agnahary vo gny fahalala gny mary ze magnaraky gny toe-pagnahy araky an'Agnahary, 2amin'gny fahatokisa gny fiaigna mandrakizay,ze nampanatenain'Agnahary,gny sy mavandy,fony fahagola.3Tamin'gny fotoa voatondro,dra nasehony gny zakany tamin'gny hafasy ze natokisany ho ampitako.Nataoko zay araky gny didin'Agnahary gny Mpamizy asika.4Ho an'i Titosy,zanaky mary ao amin'gny finoa hiombognasika.Fahasoava vo fiadana laha tamin'Agnahary gny Ray vo Jesosy Kristy Mpamozy asika.5Noho zao atony zao gny nagnangako anao tagny Kreta,dra gny ba handaminanao reo raha bp sy vita vo hanendry loholo isaky gny tana araky ze fa nandidiako anao.6Gny loholo dra sy tokony hanasigny mihisy,valin'gny ampela raiky,mana zanaky mino sy voapanga ho manara-po amin'gny rasy dre milisy.7Gny taliavin'gny pitandry,amin'gny maha-panao gny asan'Agnahary,gny sy fanagna-siny.Sy tokony hahery fizaka dre mirehareha. Sy tokony ho mora ory,sy mpimamo,sy tialy,dra sy olo tia vola.8Fa dra,tokony hampiatragno izy,sakaizany ze soa.Sy maisy mahonovata,mary, masy ,dra mahafehy vata.
10Fa maro gny olo mpitraboky,indrindra reo ze voafora.Sy misy lazany gny zakan'ereo.Mandiso fanatena vo mitariky gny olo agny amin'gny lala-diso ereo. 11Taliavy gny manaka anazy io. Mampianasy gny sy tokony hampianary ereo ba ahazoa harena maloto dra mandrava gny fianakavia manotolo.12Nisy raiky tamin'ereo,ze lelahy hendrin'ereo,nilaza ho:''Gny Kretana dra mpavandy mandrakariva,rasy dra biby mandoza,kamo be tia hany.''13Mary zay voazaka zay,noho zay anaro fatrasy ereo ba hatazaky amin'gny finoa.14Ka miraharaha gny tafasiran'i Jiosy dre gny didin'gny olo ze niala tamin'gny fahamarigna.15Ho an'ereo ze malio,dra malio gny raha iaby.Fa ho an'ereo ze voaloto vo sy mino koa,dra sy misy malio dre ino dre ino.Noho gny say vo gny fieritseretany fa voaloto.16Mety fa mahay an'Agnahary ereo,kanefa manda Anazy amin'ereo asany. Mpalaiky vo mandika lalana ereo.Sy mahavita asa dre ino dre ino.
Chapter 2

1Fa anao dra,mizaka ze mifagnaraky amin'gny Fapianara mary.2Reo lelahy fa nahazo tao dra sy maisy mahay minday vata,motina,mahono-tena,matazaky amin'gny finoa, amin'gny fitiava, dra amin'gny fahareta.3Manahaky anizay gny ampela fa nahazo tao dra tokony hapiseho hatrany gny vatan'ereo ho soa fandesa,fa sy pifosa. Sy tokony ho andevozin'gny divay be ereo.Tokony hampianasy ze soa ereo 4ba hampiofa reo ampela tanora ho tena tia gny valy vo gny zanany manoka. 5Tokony hampianasy anazy reo hahono-tena, halio hikarakara tokatrano soa,dra hakato gny valiny ereo.Tokony hanao anizay raha iaby zay ereo ba sy ho voaheso gny zakan'Agnahary.6Tahaky anizay,ampaherezo reo lelahy bo tanora ba hahono-tegna. 7Amin'gny fomba aby dra asehoy gny vatanao ho modelin'ereo asa soa; dra gny fa mapianasy anao,dra manehoa fahisia vo fahamendreha.8Mizaka hafasy salama vo sy misy signy,ba ho megnasy ze manohisy dre iza dre iza, satria sy mana dre ino dre ino rasy ho zaka momba asika izy.9Reo mpanompo dra tokony hakato gny topony amin'gny raha-iaby. Hanao ze sitrapony fa sy hifamaly aminazy. 10Sy tokony hangalangalasy ereo. Fa dra,tokony haneho gny finoa soa iaby ereo,ba hampahamendriky gny fampianarasika momba an'Agnahary pamozy asika amin'gny lafiny aby.11Fa niboaky tamin'gny olo-iaby gny fahasoavan'Agnahary.12Mampianasy asika handa gny toesy st araky aAgnahary vo gny filan'izao totolo zao .Mampianasy asika hiay am-pihonogna, ampahamarigna,dra araky gny lalan'Agnahary amin'izao vanim-potoa zao zay 13eo am-pembenasika gny fanatena mahafinarisy,gny fisehoan'gny voninahisy gny Zagnaharisika lahibe vo Mpamozy Jesosy Kristy.14Jesosy dra nanolosy gny vatany ho asika ba hagnavosy asika hiala amin'gny sy fagnarahan-dala iaby vo hagnaliova,ho agny vatany,olo raiky manoka ze tena mazoto hanao asa soa.15Ambarao dra andeso ampaherezina reo raha reo. Magnomeza fagnisia amin'gny fahefa iaby.Ka anga hisy olo hanao sinosino anao.
Chapter 3

1Ampaherezo ereo haneky reo mpanapaky vo reo manam-pahefa,hakato anazy reo,ho vono amin'gny asa soa aby.2Ampasiahivo ereo sy hikizaky na iza na iza, hiala amin'gny alihevisy,hamela gny hafa hagnaraky gny lalany,dra hapiseho fanetre-tegna amin'olo iaby.3Fa teo aloha gny vatasika dra sy nanasigny dra sy tia. Voatariky tamin'gny lala-diso isika dra nandevosin'gny fitaliava vo gny fahafinareta samihafa. Niay tao amin'gny faharasia vo gny fialogna isika.Niala zahay dra nifakalaiky isika.4Fa gny niboaky gny hasoam-pagnahin'Agnahary mpamozy asika vo gny fitiavany gny olombelo, 5dra sy tamin'gny asa gny fahamarigna nataosika zay,fa tamin'gny famindram-pony gny namozeny asika. Izy dra namozy asika tamin'gny alalan'gny fanaliovan'gny fahateraham-baovao vo gny fanavaoza tamin'gny Fanahy Masy.6Zagnahary nandrosaky maro tamisika gny Fanahy Masy tamin'gny alaln'i Jesosy Kristy Mpamozy asika. 7Nataony zay ba,ho voamary tamin'gny fahasoava,dra ho avy mpandova isika amin'gny alalany fahatokisa gny fiaigna mandrakizay.8Ze hafasy zay dra mendri-pitokisa .Tiako hizaka momba anizay raha zay am-pahatokisa andrareo, ba reo ze mahatoky an'Agnahary dra hikasa hanao reo asa soa ze fa napetrany teo alohan'ereo.Zay raha zay dra sady soa gny mahasoa ho agny olo iaby.9Fa hialao gny alihevisy sy mazary vo gny tataram-pirazagna dra gny fifagnakania vo gny aly momban'gny lalana.Reo raha reo dra rava-fahatany vo sy mahasoa. 10Manda ze olo miteraky fizarazara eo agnevondrareo aby,tafarany fampitandrema draiky na ro,11dra fataro gny olo ohasin'izay dra niala tamin'gny lala mary dra manota vo magnameloky gny vatany.12Gny fa magniraky an'i Artema na Tykiko agny amindrareo zaho,dra malakia dra mandehana agny aminahy agny Nikopolia, ze nanapahako hevisy andania gny ririna. 13Malakia dra alefaso Zena,gny mpahay lalana,vo Apolosy, ba sy hana-raha mahory ereo.14Gny olosika dra sy maisy mianasy manao asa soa ze taliavy meky ba sy ahavy anazy reo sy hamokasy.15Reo aby miaraky aminahy dra manao veloma andrareo. Manova veloma reo ze tia asika amin'gny finoa . HO amindrareo aby seky gny fahasoava.

Philemon

Chapter 1

1Paoly, voagadra an'i Jesosy Kristy, vo gny rahalahy Timoty ho an'i Filemona, hava malalanay vo piara-miasa aminay, 2dra ho an'i Apia anabaviny, vo Arkipo maramila havanay, dra ho anigny fengona ze miango ao atragnonao. 3Ho amindrareo anie gny fahasoava vo gny fedagna boak'amin'Agnahary raisika vo i Jesosy Kristy Topo.4Misaosy gny Zagnahariko hatragny zaho. 5Manogno anao zaho amigny fivavahako. Fa nahare gny amigny fitiava vo gny finoa ze anagnanao ao amin'i Jesosy Topo dra ho an'ireo pino aby zaho. 6Mivavaky zaho ba hahavy gny fiombogna amigny finoanao hahomby amigny fahalala gny raha soa aby ze eo amisika ao amin'i Kristy. 7Fa nana fifalia vo fionogna lahibe zaho nohonigny fitiavanao, akory gny fon'ireo pino dra nivelombelomy tamigny alalanao, ry rahalahy.8Noho izay, na dre mana fahavania ao amin'i Kristy aza zaho nandidy anao ba hanao ze tokony hataonao, 9nefa nohonigny fitiava, dra mitoka anao koa zaho- izaho, Paoly, lelahy atisy, dra amizao gadra ho an'i Jesosy Kristy.10Mangataky anao zaho gny amigny zanako Onesimosy, ze naterako tamigny fehiko. 11Fa izy dra sy nahasoa anao teo aloha, fa amizao izy dra mahasoa anao vo i zaho. 12Nalefako nihery ho agny aminao izy, izy gny tiako vatany. 13Magniry gny hita anazy hiaraky aminahy zaho, ba hahafahany manopo anahy ho anao, raha bo voafehy nohonigny fizakasoa zaho.14Nefa sy te hanao na ino na ino raha sy misy gny fagnekenao zaho. Sy tiako ho akatere gny asa soa ataonao fa asitrapo. 15Vasa noho izay gny nisarahany taminao nandrisy gny fotoa fohy, ba hanagnanao anazy mandrakizay. 16Sy ho andevo sasy izy, fa soa mihoasy noho gny andevo, dra rahalahy malala. Izy gny malala indrindra aminahy, dra mihiasy lavisy ho anao, na ao amigny nofo na ao amigny Topo.17Ko rah mana anahy ho piara-miasa hanao, dra takaro manahaky anahy izy. 18Raha manao gny sy mety izy na mitrosa na ino na ino aminao, dra atovy ho anahy zay. Izaho, Paoly, manorasy anizao amigny tagnako: 19Izaho gny handoa aminao. Sy mizaka aminao ho mitrosa gny vatanao aminahy hanao. 20Eh, ry rahalahy, atovy mahazo tombony ao amigny Topo zaho; ameo fisahara gny foko ao amin'i Kristy.21Gny toky momba gny fakatoavanao, gny soratagnako ho anao. Fataso fa hanao mihoasy noho ze angatahiko hanao. 22Mandrisy anizay fotoa zay avo koa, omano ho anahy gny efisy fandresam-bahiny, fa manategna zaho fa amigny alalanigny vavakao dra hahery aminao ndraiky zaho.23Epefra, namako mindary gadra ao amin'i Jesosy Kristy, manao veloma anao. 24Manahaky anizay koa i Marka, Aristarko, Demasy dra Lioka, piara-miasa aminahy. 25Ho amigny fagnahindrareo anie gny fahasoavan'i Jesosy Kristy Toposika. Amena.

Hebrews

Chapter 1

1Taloha ela be Zagnahary dra nizaka tamigny razambesika tamigny alalan'ireo paminany tamigny fotoa maro vo tamigny fomba maro. 2Fa amizao andro farany izao, dra nisaraky tamisika tamigny alalanigny zanadahiny Izy, Zay nitendreny ho pandova gny raha aby. Tamigny alalany avo koa gny naharian'Agnahary anizao totolo izao. 3Izy gny famirapiratanigny voninahin'Agnahary, gny endrikiny gny vatany aby. Na gny raha aby aza dra hazogniny hindray amigny alalanigny herinigny vatany. Tafaranigny nagnaliovany reo fahota, dra nitoby teo ambaninigny tagnan'akavananigny Lahibe agny amigny avo izy.4Lasa ambony manahaky reo azely Izy, akory gny agnara nilovany dra soa lavisy noho gny agnaran'ereo. 5Fa iza tamireo azely gny ba nizakan'Agnahary ho: "Zanako hanao, zaho lasa babanao androany" Dra indraiky ho: "Ho ray ho anazy zaho, dra izy ho zanako ho anahy"?6Dra gny fa ninday gny lahimatoa teto amin'izao totolo izao Zagnahary, dra nizaka Izy ho: "Reo azelin'Agnahary aby dra sy maisy midera anazy." 7Momba reo azely dra nizaka Izy ho: "Izy gny raiky nanao reo azeliny ho fagnahy, dra reo panopony nataony lelan'afo."8Fa mombanigny Zanaky dra hoy Izy ho: "Gny seza fiandriananao, ry Zagnahary, dra mandrakizay dra ho doria. Gny tehinigny fazakanao dra tehinigny fisara. 9Nitia gny fahamarigna hanao dra nalaiky gny fandikan-dalana. Noho izay zagnahary, zagnaharinao, dra nanososy anao tamigny menaky gny hafalia mihoasy noho reo piara-dia aminao."10"Tagny amboloahany, ry Topo, Ianao gny namoro gny fotosy gny tany. Reo lagnisy dra asanigny tagnanao. 11Ho levo ereo, fa Hanao hanohy. Ho rota manahaky gny tapa-damba ereo. 12Hamorisy anereo manahaky gny fekazoa hanao, dra hova manahaky gny poti-damba ereo. Fa hanao dra manahaky anizay, dra gny taonao dra sy hana-pahatapera."13Fa iza tamin'ireo azely gny nizakan'Agnahary taminigny fotoa ho: "Mipetraha eo amigny tagna akavanako mandra-panovako reo fahavalonao ho seza ho anigny tombokao"? 14Moa ra reo azely aby sy fagnahy manopo, vo nalefa hiahy reo ze handova gny famozena?
Chapter 2

1Noho izay isika dra sy maisy mitandry bebe kokoa amize resika, ba sy hagnara-drenirano amizay isika.2Fa raha mary gny hafasy ze nizaka tamigny alalan'ireo azely, dra gny fandika-dalana aby vo gny sy fakatoava dra mitakasy sazy ara-drariny, 3dra ino amizay gny hafahasika mienga raha sy miraharaha anizay famozena lahibe loasy zay sika? Io gny famozena ze zinakanigny Topo volohany vo nihamafisin'ireo ze nahare anizay tamisika. 4Tamin'io fotoa io avo Zagnahary dra nagnaporofo anizay tamigny famatara, fahagaga, dra asa mahery samihafa, dra tamigny fizara reo fagnomeza-pahasoavanigny Fagnahy Masy araky gny sitrapony.5Fa sy tamigny azely gny napagneken'Agnahary anizao totolo izao ho avy, momba ze zakasika. 6Fa koa, nisy olo nizoro vavolombelo an'izay tagny ho agny, manao anizahoky ho: "Ino gny olo, gny mandiniky anazy hanao? Na gny zanak'olo, gny mikarakara anazy hanao?7Hanao dra nanao gny olo ambany noho reo azely; nisatrohinao satro-boninahisy tamigny voninahisy vo dera izy. [Fagnamariha: Gny dika-zaka ilany taloha dra miapy ho: "Dra hanao nametraky anazy agnabon'ireo asany tagnanao."] 8Gny raha aby dra napagnekenao eo ambaninigny tombony." Fa ho anazy gny napagneken'Agnahary gny raha aby. Sy nagnenga na ino na ino izy dra sy napagneke anazy. Fa amizao isika dra sy bo mahita gny raha aby napagneke anazy.9Fa isika mahita gny raiky ze nataony ambany noho reo azely nandrisy gny fotoa siapy: Jesosy, ze nohonigny fizaliany vo gny fahafatesany, dra nisatrohy satro-boninahisy tamigny voninahisy vo dera. Dra amizao tamigny alalanigny fahasoavan'Agnahary, gny nagnandramany gny fahafatesa ho anigny olon'aby. 10Fa mety amin'Agnahary zay, akory gny raha aby dra misy ho anazy vo amigny alalany, ba hinday zanaky maro ho agny amigny voninahisy. Mety aminazy gny hahaavy gny pitariky gny famoze anereo ho feno amigny alalanigny fizalia.11Fa na gny olo ze magnamasy na reo ze voamasy dra mana loharano raiky. Noho izay dra sy megnasy mitoka anaereo ho rahalahy izy. 12Hoy Izy ho: " Hitalily gny agnaranao amireo rahalahiko zaho, hihira gny momba anao aboak'ao agnatinigny fivondrogna zaho."13Dra koa, " Hatoky anazy zaho." Dra: "Indro, andeso zaho vo reo zanaky ze namen'Agnahary anahy." 14Noho izay, akory nofo aman-dio reo zanan'agnahary, dra nizara raha manahaky anizay nindray tamin'ereo avo koa Jesosy , ba ho amigny alalanigny fahafatesa gny fahafoagnany gny raiky ze mana gny herinigny fahafatesa, dra gny devoly zay. 15Izay dra ba hagnafahany reo aby ze nohonigny tahosy gny fahafatesa dra niay gny fiegnan'izy aby reo Tao amigny fagnandevoza.16Fa mazava ho azy fa sy azely gny vozeny; fa koa, gny taranak' i Abrahama. 17Noho izay dra mendriky anazy gny atao manahaky anireo rahalahy amigny fomba aby, ba ho pisorom-be feno famindra-po vo fahatokisa Izy amigny fifandresa amireo rahan'Agnahary, dra ba hinday momba gny famela reo fahotanigny olo. 18Akory Jesosy mihisy gny nizaly vo nala fagnahy, dra afaky magnapy reo ze ala-pagnahyIzy.
Chapter 3

1Noho izay, ry rahalahy masy, nizara gny tokanigny lagnisy handrareo. Diniho gny momban'i Jesosy, gny apostoly vo pisorom-be ze ekesika. 2Izy dra natoky an'Agnahary, ze nanendry anazy, manahaky an'i Mosesy ze nahatoky tao at-tragnon'Agnahary avo koa. 3Fa Jesosy dra fa niresy mendriky gny voninahisy lahibe noho Mosesy, akory ze magnory gny tragno gny mazaka bebe kokoa noho gny targno. 4Fa gny tragno aby dra nisy olo nagnory, fa gny raiky ze nagnory gny raha aby dra Zagnahary.5Amigny lafi ny raiky, Mosesy dra natokisa manahaky panopo tao an-tragnon'Agnahary raiky manotolo. Izy gny vavolombelo momba anireo raha ze tokony fa nizaka amigny ho avy. 6Fa Kristy gny Zanaky miandraikisy gny tragnon'Agnahary. Isika gny tragnony raha ohasy mihazo fatrasy gny hare-po vo gny fahatokisasika isika.7Noho izay, izay dra manahakigny zakanigny Fagnahy masy ho: "Amiza, raha mahare gny feony handrareo 8dra ka magnamafy manahaky gny amigny fikomia, amigny fotoanigny fisapa agny agnefisy.9Manahaky anizay gny razambendrareo aby nikomy tamigny alalanigny fisapa anahy, dra gny fa, nandrisy gny efapolo tao, dra hitan'ereo gny asako. 10Noho izay dra sy faly zaho amin'io taranak'io. 11Hoy zaho ho: 'Iza reo dra voatariky mandrakariva agny amigny lalandiso ao am-pony. Sy nahafatasy gny lalako ereo. Manahaky anizay gny nianiagnako tamigny fahoriako ho: 'Sy hilisy ao amigny fisaharako velively ereo."'12Mitandrema, ry rahalahy, ba sy hisy dre raiky amindrareo aza gny hana fo rasinigny sifinoa, fo ze miala amin'Agnahary velo. 13Fa koa, mifapahereza isan'andro, raha bo misy gny atao ho: 'Amizao" ,ba sy hisy amindrareo ho fatra-po amigny alalanigny fitaky gny fahota.14Fa isika dra lasa piara-miasa amin'i Kristy raha toa ka mihazo fatrasy gny fahatokisasika anazy hatragny apiandoha dra hatragny amigny fiafarany. 15Fa gny momba anizay dra fa voazaka ho: "Amizao, raha mahare gny feony handrareo, dra ka magnamafy gny fondrareo, manahaky gny amigny fikomia."16Iza ze fa nandre an'Agnahary dra nikomy? Fa sy reo ze niboaky boak'agny Egypta tamigny alalan'i Mosesy aby ra zay? 17Iza gny nahaory anazy nandrisy gny efapolo tao? Sy reo ze nanota ra, ze lavo tagny agnefisy gny ekazoan'ereo? 18Ho an'iza gny nianiagnany fa sy hilisy ao amigny fisaharany ereo, raha sy ho an'ireo ze sy nakato anazy? 19Hitasika fa sy afaky nilisy tao amigny fisaharany ereo nohonigny sy finoa.
Chapter 4

1Noho izay, aoky hitandry soa sika ba sy hisy amindrare gny sy afaky hahatrasy gny zaka fapanatena nagna ho andrareo ba hilirandrareo ao amigny fisaharan'Agnahary. 2Fa isika dra nitalily gny vaovao mahafaly manahaky anereo. Fa izay hafasy izay dra sy nisy tombony ho an'ireo ze sy nitambasy tao amigny finoa nindray tamireo ze nakato. ('Fagnamaria: gny dikazaka ilany dra mivaky manahaky anizahoky:" Fa izay hafasy zay dra sy nisy tombony ho anireo ze nahare anazy tamigny sy finoa.")3Fa isika ze nino dra reo ze hilisy amizay fisahara zay, araky ze fa nizakany ho: "Manahaky gny nianianako tamigny fahaoriako, dra sy hilisy velively ao amigny fisaharako ereo." Fa na izay koa aza, gny asa famorognany dra vita tamigny fagnoregna anizao totolo izao. 4Fa izy nizaka tagny ho agny mombanigny andro fahafito ho: "Zagnahary nisahasy tamigny andro faha-fito tamigny asa aby." 5Dra bo nizaka ndraiky izy ho: " Ereo dra sy hilisy velively ao amigny fisaharako."6Noho izay, aoky bo voatoka ho anigny ilany gny fidira ao amigny fisaharany, dra akory maro reo Israelita nahare gny vaovao mahafaly sy nilisy tao nohonigny sy fakatoava, 7dra nametraky andro raiky ndraiky atao anizahoky ho: "Androany" Zagnahary. Tafaranigny andro maro, dra nizaka tamigny alalan'i Davida Izy, manahaky anize voazaka meloha ho: "Amizao raha mahare gny feony handrareo, dra ka magnamafy gny fondrareo."8Fa raha Josoa gny nagnome fisahara aereo, dra sy nizaka mombanigny andro raiky hafa zagnahary. 9Noho izay dra bo misy sabata fisahara voatoka ho anigny vahoakin'Agnahary. 10Fa ze milisy ao amigny fisaharan'Agnahary dra nisahasy tamigny asany avokoa, manahaky gny nataon'Agnahary tamigny anazy. 11Noho izay aoky isika hazoto hilisy amizay fisahara zay, ba sy hisy dre raiky aza ho tafalasaky amigny karaza sy fakatoava ze nataon'ereo.12Fa gny zakan'Agnahary dra velo vo mandaisy dra maragnisy noho gny mesa ro lela. Izay dra manindro hatraminigny fagnasaraha gny ay amigny fagnahy, vo gny togno amigny soky mihisy aza. DRa afaky fatary gny eriserisy gny fo vo reo fikasa. 13Sy nisy famorogna nivony teo agnatrehan'Agnahary. Fa koa, gny raha aby dra miharihary vo misokaky eo amasonigny raiky ze sy maisy hapamoahisika.14Noho izay, akory isika dra mana pisorom-be lahibe lasa namaky gny lagnisy, Jesosy Zanan'Agnahary, dra andeha isika hifikisy fatrasy amigny finoasika. 15Fa isika dra sy mana pisorombe ze sy mahasapa fangoraha amigny fahalemesika. Fa koa, isika dra mana olo raiky ze fa nala-pagnahy taminigny fomba aby manahaky asika, fe seky izy sy misy ota nataony. 16Aoky isika andeha amigny fahatokia ho agny amigny seza fiandriananigny fahasoava, ba handresasika gny famindra-po vo hahita fahasoava hagnapy amigny fotoa italianan'anazy.
Chapter 5

1Fa gny pisorombe aby, voafily boak'amigny olo, dra nitendre ba hiasa amigny agnaranigny olo amireo raha mahakasiky an'agnahary, dra ba hanolorany fagnomeza vo fagnatisy ho anigny ota. 2Izy dra afaky mifagnaraky mora amigny sy mahalala vo gny maniasia akory izy vatany avokoa dra voadidinigny fahaleme. 3Noho izay, izy avokoa dra nitake hanolosy soro ho anireo otany manoka, manahaky gny nataony ho an'ireo otanigny olo.4Sy ho anigny vatany gny handresanigny olo anizay voninahisy zay. Fa koa, izy dra nataon'Agnahary, manahaky an'i Arona. 5Dra manahaky anizay, Kristy sy ba nagnome haza gny vatany mihisy taminigny fanovany gny vatany ho pisorombe. Fa koa, gny raiky nizaka taminazy nizaka ho: "Zanako hanao; amizao dra lasa babanao Zaho."6Manahaky anizay avo koa gny nizakany tagny amigny toera hafa ho: "Hanao dra pisoro mandrakizay araky gny fomban'i Melkizedeka."7Nandris'ireo andronigny nofony, Kristy nanolosy vavaky vo fangataha nindray tamigny hiaky fatrasy vo ranomaso an'Agnahary, gny raiky ze afaky mamozy anazy amigny fahafatesa. Re Izy nohonigny fangorahany. 8Na dre zanaky aza Izy, dra nianasy fakatova tamireo raha ze niaretany.9Natao ho tonga lafasy Izy dra avy, ho anigny olon'aby ze makato anazy, gny loharanonigny famozena mandrakizay. 10Dra nitendren'Agnahary manahaky gny pisorombe Izy araky gny fomban'i Melkizedeka. 11Mana-kambara maro momban'i Jesosy zahay, fa sarosy gny magnazava anizay hatramigny naha-lalindalova gny fandresendrareo.12Fa amizao fotoa zao dra tokony ho papianasy handrareo, handrareo dra bo mitalia olo hapianasy andrareo reo fisipiky fotosy gny hafasin'Agnahary. Ronono gny taliavindrareo, fa sy vati-kany! 13Fa gny olo ze mino ronono fosiny dra sy apy traikefa amigny hafasy gny fahamarigna, akory izy dra bo zaza masaiky. 14Fa gny veti-kany dra ho an'ireo lahibe. Reo dra ze voahofa tamigny fagnavaha gny soa amigny rasy gny fahatakarany nohonigny fahamatoran'ereo.
Chapter 6

1Noho izay, andeha hangasika gny fetombohanigny hafas'i Kristy dra handroso amigny fahamatora. Andeha isika sy hamnoby ndraiky gny fotosy gny fibebaha nohonigny asanigny maty vo gny finoa an'Agnahary, 2na gny fotosygny fapianara mombanigny batisa, gny fametraha-tagna, gny fisanganan'ireo olo maty, dra gny fisara mandrakizay. 3Hanao anizay avo koa isika raha angan'Agnahary.4Fa sy hay atao ho an'ireo ze fa nihazava indray mandeha zay, ze nagnandra gny fagnomeza boak'agny an-dagnisy, ze nitakasy gny Fagnahy Masy, 5dra ze nagnandra gny zaka soan'Agnahary vo reo herinigny vanipotoa ho avy, 6fe seky boak'eo dra lavo__sy hay gny magnery anereo amigny fibebaha ndraiky. Izay gny nagnombon'ereo ho anigny vatan'ereo ho anigny vatanereo ndraiky gny zanan'Agnahary, dra nalany baraka apahabemaso.7Fa gny tany ze mahazo gny ora matetiky avy aminizay, vo gny mamokasy reo raha magniry taliavin'ireo olo ze niasa gny tany__ io gny tany ze mitakasy fitahia boak'amin'Agnahary. 8Fa raha mamokasy silo izay, dra sy misy italiava anazy fa agnilanigny fagnozogna. Gny fiafaran'izay dra amigny fireheta.9Fa izahay dra resy lahasy gny amireo raha soa momba andrareo, ry malala, raha raiky mahakasiky gny famezena, na dre mizaka manahaky anizay aza zahay. 10Fa i Zagnahary dra sy ba sy marina dra hagnaligno gny asandrareo vo gny fitiava ze nasehondrareo vo gny fitiava ze nasehondrareo nohonigny agnarany, akory handrareo dra nanopo reo pino bo manopo anereo avo.11Magniry fatrasy izahay ba haneho fahazotoa manakahy anizay hatramigny farany gny sirairay amindrareo ho anigny atoky gny fahatokia feno. 12Izay dra ba sy lasa kamo handrareo, fa ho pangala-tahaky an'ireo ze mandova reo fapanatena amigny finoa vo fahareta.13Fa tamin'Agnahary nanao gny fapanatenany tamin'i Abrahama, dra niania tamigny Vatany Izy, gny fa sy afaky niania tamigny olo lahibe. 14Hoy Izy ho: " Izaho dra hitahy anao vatany, dra tena hahamaro anao." 15Tamizay fomba zay, dra nahazo ze napanatena tafaranigny nandignisany taminy fahareta Abrahama.16Fa gny olo dra miania amigny olo ze lahibe vatany noho gny vatan'ereo. Isakigny tapisy gny fifamalian'ereo, dra misy voady raiky natao ho fagnamafisa. 17Gny fa nanapa-kevisy gny hapiseho mazava tamin'ireo pandovanigny fapanatena gny sy fiovanigny kalitaonigny fagniriany Zagnahary, dra nameny atoky tamigny voady zay. 18Nataony izay ba ho amigny alalanigny raha sy azo ova ro lahy__ze sy hain'Agnahary gny mavandy amizay__dra hana fapahereza matazaky ba hihazo fatrasy gny fahatokia ze napetrany teo anoloasika, isika, ze nienga ba hana felofa.19Mana anizay toky zay isika ho aro vo vato fasy azo hiakigna ho anigny fagnahisika, fahatokia ze milisy ao amigny fitoera agnatiny ao ambaliky gny lamba. 20Jesosy nilisy tao amizay fitoera zay manahaky gny pialoha lala ho asika, dra lasa pisorombe mandrakizay magnaraky gny fomban'i Melkizedeka.
Chapter 7

1Melkizedekaizay, pazakan'i Salema, pisoron'Agnahary faratapony, ze nifera tamin'i Abrahama gny fa nihery boaky nandresy reo pazaka dra nitahy anazy. 2Izy gny namen'i Abrahama gny apahafolonigny raha aby. Gny agnarany ho "Melkizedeka" dra midika ho "pazakanigny fahamarigna." Gny agnarany hafa dra " pazakan'i Salema," izay dra: "Pazakanigny fuiadagna." 3Izy dra sy mana-baba, sy manan-dreny, sy mana razambe, dra sy mana fiatombohan'ireo andro reo vo sy mana fiafaranigny fiegna. Fa koa, mitovy amigny Zanan'Agnahary izy, akory mitoby ho pisoro mandrakizay.4Atio gny halahiben'io lelahy io. Gny razambesika Abrahama dra nagnome gny apahafolon'ireo raha ze azony tamigny aly. 5Amigny lafiny raiky. reo zanadahin'i Levy ze mitakasy gny fisora dra mana baiko boak'amigny lala ba hamory gny apahafolo-karena boak'agny amireo olo, izay dra, boak'amin'ireo rahalahin'ereo, na izay aza ereo, avoko, dra avy amigny vatan'i Abrahama. 6Fa amigny lafiny raiky, Melkizedeka, ze sy voasorisy boak'amin'ereo gny taranany, dra nitakasy apahafolo-karena boaka amin'i Abrahama, dra nagnome so-drano anazy, gny raiky ze nana reo fapanatena.7Sy misy fandava fa gny olo ambany dra amenigny olo ambony so-drano. 8Amizay tranga izay, gny olo mety maty dra mitakasy apahafolo-karena, fa ami-ty tranga tihoky dra voaporofo fa bo velo izy. 9Dra, amigny fomba fizaka, Levy, ze nitakasy apahafolo-karena, dra nandoa apahafolo-karena tamigny alalan'i Abrahama avo koa, 10akory Levy dra tao agnatinigny vatanigny razambeny gny fa nihaina tamin'i Abrahama i Melkizedeka.11Amizao raha azo atao amigny alalanigny fisorogna levitika gny fahatateraha (fa tao ambanin'izay gny olo gny nitakasy gny lalana), dra fila bebe dra ho ino gny mety nisy ho anigny pisoro hafa ba hisangana araky gny fomban'i Melkizedeka, dra sy takary araky gny fomban'i Arona? 12Fa gny fa nova gny fisorogna, dra sy maisy hova avo koa gny lalana.13Fa gny raiky ze nizaka gny momban'ireo raha reo dra anigny foko hafa, ze sy misy olo manopo eo amigny alitara mihisy. 14Fa mazava amizao, fa avy amin'i Joda gny nahaterahanigny Toposika, Foko ze sy nizakan'i Mosesy mihisy gny mahakasiky reo pisoro.15Ze zakasika dra fa mazava avokoa raha misy pisoro hafa misanga amigny endrik'i Melkizedeka. 16Sy avy tamigny fotosy gny lalanigny taranaky gny nofo gny nahavy anazy ho pisoro, fa avy tamigny fotosy gny herinigny fiegna sy mety levo. 17Fa gny Sorasy Masy dra mizoro vavolombelo momba anazy ho: "Hanao dra pisoro mandrakizay araky gny fomban'i Melkizedeka.18Fa nisy fagnafoagna gny didy teo aloha akory nalemy sy nisy dikany zay. 19Fa sy nisy raha nataonigny lalana tonga lafasy. Kanefa, misy gny fapidira fahatokia soa ho anigny hoavy ze hagnatonasika an'Agnahary.20Sy nitranga izay raha sy nisy gny fandresa fiegna. Amigny lafiny raiky, reo hafa reo dra lasa pisoro sy nitalia fiegna. 21Fa amigny lafiny raiky hafa, ty raiky tihoky, Jesosy, dra lasa pisoro tamigny alalanigny fianiagna nataonigny nizaka taminazy ho: "Gny Topo dra niania dra sy hiova amigny heviny ho: 'Hanao dra pisoro mandrakizay."'22Tamigny alalan'izay avo koa Jesosy gny nagnome atoky gny fagneke-pihavana soa koa. 23Amigny lafiny raiky, maro gny lasa pisoro akory gny fahafatesa gny manaka anereo hanohy. 24Amigny lafiny raiky hafa, akory Jesosy mitoby mandrakizay, dra mana fisorogna mandrakizay izy.25Noho izay izy avo koa dra afaky mamozy tateraky reo ze magnato an'Agnahary amigny alalany, akory izy dra miay avo ba hagnelagnela ho anereo. 26Fa gny pisorombe manahky anizay dra mety ho asika. Izy dra sy mana-pahota, sy mana-signy, malio, nisarahy tamireo panota, dra lasa agnabo noho reo lagnisy.27Sy mitalia izy, sy manahaky reo pisorombe, hanolosy soro isan'andro, gny volohany ho an'ireo fahotany manoka, dra boak'eo ho an'ireo fahotanigny olo. Fa nanao anizay indray mandeha ho anigny olo aby izy, gny fa nanolosy gny vatany. 28Fa gny lalana manondro gny olo ze mana fahaleme ho pisoro. Fa gny zakanigny fiegna, ze avy tafaranigny lala, dra nitakasy zanadahy, ze natao ho soa mandrakizay.
Chapter 8

1Dra gny fotosy gny raha zakanay dra izao: Isika dra mana pisorombe ze nitoby teo atagna akavananigny seza fiandriagnanigny be voninahisy agny an-dagnisy. 2Izy dra panopo ao amigny toera masy, gny tabernakely mary zay gny Topo, fa sy gny olo, gny nagnorin'anazy.3Fa gny pisorombe aby dra nitendre hanolosy fagnomeza vo soro. Noho izay dra taliavy gny mana raha hatolosy.
5Ereo dra, manopo ao amigny tabernakely ze tandindo vo aloky gny raha agny andagnisy, Izay dra manahaky gny napitandreman'Agnahary an'i Mosesy raha izy handeha hamboasy tabernakely: Hoy Zagnahary ho: "Atio ba hataonao araky gny modely ze fa naseho anao tegny atendrombohisy gny raha aby."6Fa amizao Kristy dra nitakasy asa fanopoa soa lavisy. Izay dra noho izy pagnelagnela avo koa amigny fagnekena soa, ze mifehy amigny fapanatena soa koa. 7Fa raha sy nana-signy zay fagneke volohany zay, dra sy nisy nitaliava fagneke faharo koa.8Fa gny fa nahita tamigny olo Zagnahary, dra hoy Izy ho: "Ingo, ho avy gny andro__hoy gny Topo__gny fa hanao fagneke vaovao amigny olon'Israely vo gny olon'i Joda Zaho. 9Dra sy hanahaky gny fagneke ze nataoko nindray tamigny razan'ereo tamigny andro ze nindesako anereo tamigny tanany hoiala boaky aminy tany Egypta zay. Fa ereo dra sy nitoby tao amigny fagnekeko, dra Izaho sy niraharaha anereo__hoy gny Topo.10Fa izao gny fagneke ze hataoko amigny olon'Israely afaran'ireo andro reo__hoy gny Topo. Hataoko ao asain'ereo gny lalako, dra ho soratiko ao apon'ereo avo koa zay. Ho Zagnaharin'ereo Zaho, dra ereo ho oloko.11Ereo dra sy hapianasy gny piaramony dra gny rahalahiny aby, hizaka anizahoky ho: 'Fataro gny Topo.' Fa hahafatasy Anahy gny olon'aby, manomboky amigny masaiky dra hatramigny lahibe amin'ereo. 12Fa izaho dra hamindra fo amigny sy fahamarignan'ereo, dra sy hahasiaro reo fahotany sasy."13Amigny fizaka ho " Vaovao", dra nanao gny fagneke volohany ho taloha izy, dra ze fa lany andro vo atisy dra fa mariny ho velo.
Chapter 9

1Na dre gny fagneke volohany aza dra nana fisipi-pivavaha vo fitoera masy eto atany.
3Ao ambaliky gny lamba faharoa dra nisy efisy raiky hafa, atao ho toera masy faratapony. 4Nisy alitara volamena ho anigny didi-kazo magnisy zay. Nisy gny fiaranigny fagneke avo koa, ze rakosy volamena tateraky. Tao agnatinin'izay dra nisy volamena maro gny mana, gny tehin'i Arona ze nagniry, dra vato pisaky gny fagneke, dra kerobima be voninahisy maro gny magnaloky gny lombony fandombofa anazy, ze sy afaky zakanay amigny asipiriany amizao.6Gny fa voaoma reo raha reo, dra nilisy tao amigny efisy ivelanigny tabernakely avo reo pisoro ba hanao gny fanopoan'ereo. 7Fa gny pisorombe avo gny nilisy ndray mandeha isatao tao amigny efisy faharo, dra nindray tamigny lio ze natolony ho anigny vatany vo ho anireo fahota sy ninian'ireo olo.8Nasehonigny Fagnahy Masy fa gny lala magnao amigny toera masy indrindra dra bo sy naseho raha bo misanga gny tabernakely volohany. 9Izay dra fagnohara ho an'izao fotoa amizao. Reo fagnomeza vo reo soro ze atolosy amizao dra samby sy afaky hahatateraky gny fieriseretanigny pivavaky raiky. 10Mifatoky amigny hany vo raha nomy vo karaza-pomba filiova maro avo reo. Reo aby reo dra fisipiky ho anigny nofo avokoa ze name mandra-pagnamboara gny fandamigna vaovao.11Kristy dra niavy manahky gny pisoronamben'ireo raha soa ze avy. Nandeha tamigny alalanigny tabernakely lahibe vo lafasy ze sy an'izao totolo voahary izao. [Fagnamariha: Reo dika zaka ilany dra mivaky manahaky anizahoky: "Jesosy dra avy manahaky gny pisoromben'ireo raha soa ze ho avy."] 12Sy tamigny lion'ireo osy lahy vo vatos'agnomby vaviny zay, fa tamigny liony manoka ze nilisy tao amigny toera masy faratapony ndray mandeha ho anigny niaro gny famozesika aby mandrakizay.13Fa raha gny lion'ireo osy vo reo agnomby lahy dra gny famafaza gny lavenoky gny vatos'agnomby vavy eo amireo ze lasa maloto gny manoka anereo eo amin'agnahary ho fagnaliova gny nofon'ereo, 14manahaky akory gny fihiasigny lion'i Kristy, ze nanolosy gny Vatany sy misy kilema ho an'Agnahary tamigny alalanigny Fagnahy mandrakizay, hagnalio gny fieriseretasika hiala amigny asa maty ba hanopoa gny Zagnahary velo? 15Noho ixzay atony izay, dra Izy gny pagnalala gny fagneke vaovao. Izay dra, akory nisy fahatesa indray niseho ba hagnafaky reo ze ambaninigny fagneke volohany amigny fahotan'ereo, dra hitakasy gny fapanatenanigny lova mandrakizay reo ze voatoka.16Fa raha misy didi-panagna, gny fahafatesanigny olo ze nanao anizay dra sy maisy voaporofo. 17Fa gny fa misy fahafatesa avo koa mana-kery gny didi-panagna, akory sy mana-kery izay raha ohasy bo velo gny olo ze nanao anizay.18Koa na dre gny fagneke volohany aza sy natao raha sy nisy lio. 19Fa gny fa nagnome tamireo olon'aby i Mosesy, dra nangalaky gny lionigny agnomby vo gny osy, nindray tamigny rano, volon'agnondry zaky mena, vo hysopa izy, dra namafy teo amigny boky vo gny olon'aby. 20Dra izy nizaka ho: "Tihoky gny lionigny fagneke ze nandidian'Agnahary ho andrareo."21Manahky anizay koa, dra namafy gny liopny teo amigny tabernakely vo reo pisy raha aby hapesa amigny fanopoa izy. 22Araky gny lalana, dra saiky gny raha aby gny ho ny voalio taminigny lio. Raha sy misy fandasahan-dio dra sy misy famela-kelok.23Noho izay dra nitaliavy gny tandindo'ireo raha agny an-dagnisy ba ho voalionigny soron'ireo biby reo. Na izay aza, reo raha gny lagnisy mihisy gny tokony ho ny liovy tamigny soro soa. 24Fa Kristy dra sy nilisy tao amigny toera masy ze nataonigny tagna, ze tandindinigny raiky ze tena izy avo koa. Fa nilisy tagny an-dagnisy mihisy Izy, ba hiseho eo amigny fagnatrehan'Agnahary ho asika amizao.25Sy nandeha tao ba hanolosy gny tagnany imaro Izy, manahaky gny fanaonigny pisorombe, ze milisy ao amigny toera masy indrindra isatao niaraky tamigny lionigny hafa. 26Fa raha izay gny raha niseho, dra tokony nizaly maro nanomboky tamigny fagnoregna anizao totolo izao Izy. Fa amizao dra indray mandeha avo gny fahota amigny alalanigny soronigny vatany avo.27Fa natao ho maty ndray mandeha gny olon'aby, dra afaran'izay gny ho avy gny fisara. 28Manahaky anizay avo koa, Kristy, ze natolosy ndray mandeha ba hangala reo fahotanigny maro, dra hiseho fagnindrony, sy handraraha gny ota, fa ho anigny famoze reo ze mandigny anazy ami-pahareta.
Chapter 10

1Fa gny lalana dra alok'ireo raha soa ho avy avo, fa sy tena endrik'ireo raha reo. Ireo ze magnotany an'Agnahary dra sy afaky gny ho lafasy amigny alalanigny soro mitovy amize andesin'ireo pisoro isa-tao. 2Raha izay sy fa nisahasy gny nanolosy anireo soro reo ra ereo? Amizay tranga zay, raha fa nilioviny ndray mandeha ereo, dra sy ba hahafatasy gny ota sasy reo pivavaky. 3Fa amireo soro reo dra misy fapasiahiva reo ota isa-tao. 4Akory gny lionigny agnomby lahy vo osy lahy dra sy mahavita mangalaky reo ota.5Gny fa avy teto amizao totolo izao Kristy, dra nizaka Izy ho: "Sy soro na koa fagnatisy gny nirindrareo. Fa koa, vata ze fa nomanindrareo ho anihy. 6Gny fagnatisy noroa na soro ho anigny ota dra sy nifalianao. 7Dra hoy Zaho ho: "Atio, tihoky zaho, araky ze voasorasy momba Anahy ao amigny Sorasy masy ba hanao gny sitrandrareo.8Volohany nizaka izy ho: "Sy soro, na koa fagnatisy, na fagnatisy oroa, na soro ho anigny ota gny nirindrareo. Dra Hanao sy nifaly tao amin'ereo." Reo dra soro ze atolosy araky gny lala. 9Dra nizaka izy ho: "Atio, zaho hanao gny sitrandrareo." Izy dra nangalaky fapihara volohany ba hametraha gny fapihara faharo. 10Tamizay sitraky zay, isika dra nihamasigny tamigny alalanigny fagnatisy gny vatan'i Jesosy Kristy ndray mandeha.11Amigny lafiny raiky, gny pisoron'aby dra mizoro isan'andro manopo an'Agnahary. Izy dra manolosy soro mitovy avo, na izay aza ereo dra sy afaky mangalaky reo ota mihisy. 12Amigny lafiny raiky hafa, Kristy dra nanolosy soro raiky ho anigny ota mandrakizay, nitoby teo atagnakavanan'Agnahary Izy. 13Izy dra mandigny mandra-panova reo fahavalony ho pisy tomboky ho anigny tombony. 14Fa tamigny fagnatisy raiky izy dra nahalavorary mandrakizay reo ze nihamasiny.15Gny Fagnahy Masy ho dra mizoro vavolombelo ho asika. Fa tamigny volohany Izy nizaka ho: 16"Tihoky gny fagneke ze hataoky miaraky amindrareo afaran'ireo andro reo, hoy gny Topo. Hatobiko ao apondrareo gny lalako, dra hanorasy anizay ao asain'ereo zaho.17Sy hahasiaro gny ota vo reo helok'ereo sasy zaho." 18Dre na eza misy famela anizay, dra sy misy soro ho anigny ota sasy.19Noho izay, ry rahalahy, isika dra mana fahatokia gny hilisy ao amigny toera masy faratapony tamigny lion'i Jesosy. 20Izay gny lalana vaovao sady velo ze nisokafiny ho asika tamigny alalanigny lamba, izay ho, tamigny alalanigny nofony. 21Akory isika dra mana pisoro lahibe mitandry gny tragnon'agnahary, 22aoky isika hagnato amigny fo malio amigny finia feno fahatokia, ba hanagnasika fo voalio amigny fierisereta rasy dra hanagnasika vatan voalio tamigny rano malio.23Aoky isika hihazo fatrasy gny fagneke gny fiandradra mahatokisika, sy apihozongozo, akory Zagnahary, ze napanatena, dra mahatoky. 24Aoky isika handiniky gny fomba handrisiha gny sirairay amigny fitiava vo reo asa soa. 25Aoky isika sy hagnazano gny fiaraha miango, manahaky gny nataonigny ialany. Fa koa, mifakahereza hatragny hatragny, vo somandraky fa hitandrareo fa magneky gny andro.26Fa raha toa isika mekendry manota gny fa avy nitakasy gny fahalala gny mary, dra sy misy fagnatisy ho anigny ota sasy. 27Fa koa, toka avo gny fandignisa mahatahosy gny fisara, dra fahoria mirehisy ze hamotiky reo fahavalon'Agnahary.28Na iza na iza nanda gny lalan'i Mosesy dra ho maty sy misy indrafo amigny fizoroa vavolombelon'ireo ro na telo ze nagnatri-maso. 29Fagnasazia rasy lavisy manahaky gny akory gny eriseretindrareo fa mendriky reo ze nagnisaky gny Zanan'Agnahary, ze nanao gny lionigny fifagneke ho sy masy__Gny lio ze nagnamasy Anazy__dra nanirasira gny fagnahinigny fahasoava?30Fa isika mahafatasy gny raiky nizaka ho: "Anahy gny valifaty; Izaho gny hamaly." vo dra: "Gny Topo dra hisara gny olony." 31Raha mapatahosy gny hilasaky eo atagnan'Agnahry velo!32Fa tadidio reo andro taloha, gny fa nihazavany handrareo, gny fomba niaretandrareo gny aly fatrasy tamigny fizalia. 33Handrareo dra nafahy barakaapahibemaso tamigny fagnarasia vo tamigny fagnezeha, dra handrareo nindray nizaratamireo ze nandalo fizalia manahaky anizay. 34Akory handrareo dra nana fangoraha-po tamireo ze voagadra, dra handrareo nagneky tami-pifalia gny fangala gny fanagnandrareo. Dra nahafatasy handrareo fa gny vatandrareo mana fanagna soa vo maharisy mandrakizay. [Fagnamariha: Gny dika zaka taloha dra sy hahita gny fehezateny ho: "Fa handrareo dra nana fangoraha-po tamigny gadrako."]35Noho izay dra ka aria gny fahatisandrareo, ze mana valisoa lahibe. 36Fa handrareo dra mila fahareta, ba hahazoandrareo ze napanatenan'Agnahary, gny fa nanao gny sitrapony handrareo. 37Fa sy ho ela, gny raiky ze ho avy dra ho avy vatany dra sy ho ela.38Gny oloko mary dra hivelo amigny finoa. Raha mihemosy izy, Izaho dra sy ho faly aminazy." 39Fa isika dra sy agnisan'ireo ze mihemosy ho amigny faharava. Fa koa, isika dra agnisan'ireo ze mana finoa ho amigny fahazoa gny fagnahisika.
Chapter 11

1Dra gny finoa gny atoky amireo raha linigny tami-pahatokisa, Io gny hita. 2Fa noho izay reo razambe dra nakatoavy nohonigny finoan'ereo. 3Amigny finoa gny hahafatarasika fa gny didin'Agnahary gny namorogna anizao totolo izao, dra ze hita maso dra sy natao tamigny raha ze hita maso.4Tamigny finoa gny nanoloran'i Abela fagnatisy soa kokoa ho an'Agnahary noho gny an'i Kaina, tamigny alalan'izay gny nitaliliany anazy ho marina, dra Zagnahary nizaka soa anazy noho reo fagnatisy, dra amigny finoa gny bo hizakan'i Abela, na dre fa maty aza izy.5Tamigny finoa gny namindra an'i Enoka ba sy ahitany gny fahafatesa. "Sy hita izy, akory nalan'Agnahary." Fa talohanigny nangala anazy, dra nizoro vavolombelo fa akasitrahan'Agnahary izy. 6DRa gny fa sy nahita finoa dra sy mety hekasitrahany. akory taliavy ho ze magnato an'Agnahary dra sy maisy mino fa misy Izy dra Izy gny mamaly soa anireo ze mitalia anazy.7Tamigny finoa Noa, gny nagnome gny hafasy boak'amin'Agnahary momba anireo raha ze sy bo hita, nindray tamigny fagnaza an'Agnahary gny nagnamboarany gny sambo ze namozeny gny akohonany. Fa tamigny fanova anizay, gny nasiaha anizao totolo izao vo nahaviany ho pandova gny hafamarigna araky gny finoa.8Tamigny finoa Abrahama, gny fa tonoka, gny nakato vo nandeha nagnagny amigny toera ze hahazoany ho lova. Nandeha izy, sy nahay ze tany nombany. 9Tamigny finoa gny niaignany tagny amigny tany napanatena manahaky gny vahiny. Niay tao agnatinigny tragno lay izy nindray tamin'Isaka vo i Jakoba, reo piara-mandova amigny fapanatena mitovy. 10Fa izy nitalia gny tana ze mana anireo fagnoregna, gny tana ze Zagnahary gny pamari-tragno vo pagnori-trgno.11Tamigny finoa, na dre Saraha Izy vatany ze sy miteraky aza, gny nahazoan'i Abrahama gny fahafaha ho ray. Nitragna izay na dre fa tena atisy aza izy, akory niheveriny hanahaky gny matoky name gny fapanatena izy. [Fagnamariha: Misy fagnotania mombanigny ho gny finoan'i Abrahama sa gny finoan'i Saraha gny navohitra. " Tamigny finoan'i Saraha, na dre fa atisy aza izy, gny nahazoany gny hery hanagnanaky, na dre fa tena atisy aza izy hinday zaza, akory nihevisy gny nagnome gny fapanatena anazy ho matoky."] 12Noho izay, avy amizay lelahy zay, ze fa ho maty, gny nahaterahan'ireo ze manahaky anireo kita egny an-dagnisy gny hamaroany vo manahky gny fasy magnamoro gny ranomasy, ze sy voaisa.13Tao amigny finoa reo gny fa reo gny maty sy nitakasy reo fapanatena. Fa koa, tafaranigny nahita vo niarahaba anereo boaky lavisy egny, dra nagneky ereo fa vahiny vo sesi-tany eto atany. 14Ho an'ireoze mizaka manahaky anizay raha zay dra magnazava fa mitalia tanindraza ereo.15Raha nieriserisy gny firenena ze nialany ereo, dra mety nana fahafa hihery. 16Fa manahaky anizay, nagniry firenena soasoa ereo, dra izay, gny agny an-dagnisy. Noho izay sy mahamegnasy an'Agnahary gny voatoka ho Zagnaharin'ereo, dra nagnoma tana ho anereo Izy.17Tamigny finoa Abdrahama, gny fa nosapa, dra nanolosy an'Isaka. Io gny zanadahiny toka ze natolony, izy gny nahazo anireo fapanatena. 18Tamin'i Abrahama gny nizaka ho : " Amigny alalan'Isaka gny hanondroa anireo taranako." 19Abrahama dra nihevisy fa Zagnahary dra hahavita hananga an'Isaka amireo maty, dra amigny heviny amigny ohasy, boaky amin'ereo gny hahazoany anazy ndraiky.20Tamigny finoa momban'ireo raha ho avy koa gny nisofan'Isaka rano an'i Jakoba vo i Esao. 21Tamigny finoa Jakoba, tamin'izy fa ho maty, gny nison-drano anireo zanak'i Josefa sirairay aby. Nivavaky Jakoba, nitehy tamigny lohanigny tehiny. 22Tamigny finoa Josefa, gny fa nagnariny gny fiafarany, gny nizaka gny fialanigny zanak'Isaely boak'agny Egypta dra nagnafarany gny amigny tolany.23Tamigny finoa Mosesy, gny teraky izy, dra navonin'ireo ray aman-dreniny nandrisy gny telo vola akory hitan'ereo fa zaza soa izy. Ay natahosy gny didinigny pazaka ereo. 24Tamigny finoa Mosesy, tafaranigny nahalahibr anazy, gny nanda gny hitokava anazy ho zanadahinigny zanakapelan'i Farao, 25Fa koa, nisafidy gny hizaly niaraky tamigny vahoakin'Agnahary izy, toy izay hotia reo fahafinaretanigny fahota mandrisy gny fitoa sy apy. 26Nizaka izy ho gny fahafaham-baraka amigny fagnaraha an'i Kristy dra harena lahibe noho reo haren'i Egypta. Akory napifatoky reo masony tamigny valisoa izy.27Tamigny finoa gny nialan'i Mosesy tagny Egypta. Sy natahosy gny fahasiahanigny pazaka izy, fa niarisy anizay manahaky gny nahitany gny sy hita maso. 28Tamigny finoa gny nitandremany gny Paska vo gny famafaza gny lio, ba sy hikasiky gny zanaky lahitkan'ireo Israely gny pandringa gny zanako lahitoka.29Tamigny finoa gny nisahan'ereo gny Ranomasy Mena manahky gny magnisaky tany sy misy rano. Gny fa nagnandra nanao anizay reo Egyptiana, dra voately ereo. 30Tamigny finoa gny nirodagnanigny mandan'i Jeriko, gny fa boaky nohodidy nandrisy gny fito andro ereo. 31Tamigny finoa gny sy nahafaty an'i Rahaba gny pivarotegna nindray tamireo paniasia, akory nitakasy reo psafo tany tamigny fedagna izy.32Ino avo koa gny afaky ho zakako? Fa ho lany gny fotoako raha mizaka momban'i Gideona, Baraka, Samsona, Jefta, Davida, Samoela, dra momban'ireo paminany zaho. 33Tamigny alalanigny finoa gny nahazoan'ereo gny fazaka, niasa ara-drariny, dra nitakasy reo fapanatena. Nagnakombo gny vavan'ireo liona ereo, 34namono gny herinigny afo, nilomay gny lela mesa, akory tamireo arety, lasa nahery agnaly, dra nandresy reo tafiky vahiny.35Nisanga tamigny maty taminigny fanangana-ko velo reo apela. Reo hafa dra napizaly, taminigny sy fagneke gny famosora ba hahazoan'ereo fisangana soa kokoa. 36Gny hafa dra nisapany tamigny fanesoa vo reo fizera, eh fa na dre gny fotosy vo gny fagnagadra aza. 37Nitorahim-bato ereo. Nisofa hizara ro ereo. Nivono tamigny mesa ereo. nirerirery tamigny holis'agnondry vo holis'osy ereo. Sy nana ereo, napihorohoro, napahory. [Fagnamaria: gny dika-zaka ilany taliha dra mivaky manao anizahoky ho: "Nitorahim-bato ereo. Nisofa hizara ro. Napandalovy fisapa. nivono tamigny mesa."] 38Izao totolo izao dra sy mendriky anereo. Nirerirery tagny agnefisy, tagny amireo. Tendrombohisy, tagny amireo lava-bato, dra tagny amireo lavaky ambaninigny tany ereo.39Kanefa reo olon'aby reo dra neken'Agnahary nohonigny finoan'ereo, sy nitakasy gny fapanatena ereo. 40Nagnoma raha soa ho asika Zagnahary, ba sy ho lavorary ereo, raha sy misy asika.
Chapter 12

1Noho izay, akory isika voadidy vavolombelo maro be manahaky gny raho, dra handeha isika hamela gny vesasy aby vo gny fahota maro magnodidy asika. Handeha isika hihazakazaky apahareta gny fihazakazaha ze natoby teo alohasika. 2Handeha isika hitandry amin'i Jesosy, gny papiatomboky vo pagnatateraky gny finoa. Fa nohonigny hafalia ze napetraky teo anolohany, dra niarisy gny hazofizalia Izy, sy niraharaha gny hegnasizay, dra nitoby teo atagna-kavananigny seza fiandriagnan'Agnahary. 3Noho izay erisereto gny momba anazy, gny raiky ze niarisy fanohera manahaky anizay boak'amin'ireo panota hanohisy gny vatany, ba sy ho reraky ao apondrareo handrareo dra hilavo lefo.4Sy bo nanohisy handrareo na niezaky hanohisy gny fahota hatramigny fahalahan-dio, 5dra halignondrareo gny fapahereza ze napenary andrareo manahaky gny amireo zanaky ho: "Ry zanako lahy, ka magnameva gny fisipiky gny Topo, na mihareraky raha ahisiny handrareo." 6Fa gny Topo magnafay gny tany aby, dra Izy magnasazy gny zanaky aby ze sy takariny.7Miareta fizalia manahaky gny fisipiky. Zagnahary dra minday andrareo manahaky gny zanaky. Fa zanaky ino gny teo dra sy nifaizinigny babany? 8Fa raha sy mana fisipiky handrareo, se anagnanigny olo aby, dra zazasary fa sy zanany.9Dra nana gny baba ara-nofo manahaky gny pagnafay isika, dra nagnaza anireo sika. Sy tokony hakato gny rainigny fagnahy ra isika dra ho velo? 10Fa esy andagniny gny andro araky ze marina tamin'ereo. 11Nefa esy akilany, Zagnahary nanao anizay ho ani'ze soa ho asika ba hafahasika mana azara amigny fahamasignany. Sy misy famaiza mitranga ho soa, fa manaitay aza. Kanefa izay afara kely dra mamokasy gny vikasy feno fedagnanigny fahamarigna ho an'ireo ze nizary taminizay.12Noho izay hatazaho reo tagnandrareo ze miraviravy vo reo lohalindrareo malemy. 13Manova lala mahisy ho anigny tombondrareo, ba ze malemy dra sy hiala fa ho soa aza.14Magnezeha fiadagna miaraky amigny olon'aby, dra gny fahamasigna avo koa ze sy hahitan'iza iza gny Topo raha sy miaraky amizay. 15Mitandrema ba sy hisy na iza na iza sy hana gny fahasoavan'Agnahary, dra sy hisy afaky gny faharariny, mitombo hiteraky korota, ba sy ho maro gny lasa voaloto amizay. 16Mitandrema ba sy hisy fizangazanga na olo sy zagnahary manahaky an'i Esao, ze namarosy gny fizokiany ho anigny hany raiky. 17Fa handrareo mahafatasy gny fa afaky izay, gny fa nagniry gny handova gny fitahia izy, dra nilavy, akory sy nahita hiriky amigny fibebaha izy, na dre nikasaky anizay tamin-dranomaso aza.18Fa handrareo sy avy teo amigny tendrombohisy ze sy azo kasihy, tendrombohisy gny afo magnoro, mezy, fahamezigna, dra tafiosy. 19Handrareo dra sy avy teo amigny tropetra magneno fatrasy, na teo amigny feo ze mizaka reo zaka zay gny piteno anizay dra nangataky ba sy hisy zaka hafa ho zaka amin'ereo. 20Fa ereo sy afaky niarisy ze nididy ho: "Fa na dre gny biby makasiky gny tendrombohisy aza, dra sy maisy ho torahim-bato izay." [ Fagnamariha: Reo dika zaka ilany taloha dra mivaky manahaky anizahoky ho: ""Fa na dre biby raiky ze mikasiky gny tendrombohisy igny aza, dra sy maisy ho torahim-bato izay na ho vono amigny zana-sipiky.""] 21Fa mapatahosy loasy gny fahita ze nizakan'i Mosesy ho: "Mihorohoro zaho dra matahosy."22Fa handrareo koa, dra avy boak'eo amigny tendrombohisy Ziona dra teo amigny tanan'Agnahary velo, gny Jeresalema agny an-dagnisy, dra teo amireo azely agnalignaliny tamigny fakalaza. 23Handrareo dra avy boakeo amigny atokon'olonigny voloha-teraky, ze voasorasy agnara agny an-dagnisy. Handrareo dra avy teo amin'Agnahary, gny pisara gny olon'aby, dra teo amireo fagnahin'ireo olonigny fahamarigna ze natao tonga lafasy. 24Handrareo dra avy boak'eo amin'i Jesosy, gny pagnalala gny fagnekena vaovao, dra teo amigny lio lasaky ze soa kokoa noho gny lion'i Abela.25Aoky handrareo sy handa gny raiky ze mizaka. Fa raha sy hienga ereo tamin'ereo nanda gny raiky napitandry anereo teto atany, dra nasaiky kokoa gny hengasika raha mihody amigny raiky ze mapitandry asika boak'agny an-dagnisy isika. 26Tamigny fotoa raiky, gny feony nagnozongozogna gny tany. Fa amizao Izy napanatena vo nizaka ho: "Bo hagnozongozo indray mandeha zaho, sy tany avo fa gny lagnisy koa."27Ireo zaka reo, " Indray mandeha koa", dra midika gny famindra reoraha ze afaky hozongozogny, izay dra raha ze nohary, ba hitoby reo raha ze sy azo hozongozogny.
Chapter 13

1Aoky hitohy gny fitiava ara-pirahalahia. 2Ka magnaligno gny fapiatragnoa reo vahiny. Fa tamigny alalan'izay, gny naharezanigny ilany fapiatragnoa reo azely nefa sy fatany zay.3Tadidio reo voafoza, manahky gny ho nindray nifehy tamin'ereo handrareo. Sarovy reo ze napahoria, manahaky gny ho ereo avo koa handrareo amigny vatany. 4Aoky ho hazanigny sirairay gny fanambalia. Aoky gny fandrianigny fanambalia ba halio, fa Zagnahary dra hisara reo pangala-balin'olo vo reo pizangazanga.5Angao gny fitondra-tegnandrareo ho afaky amigny fitiavam-bola. Mifalia amireo raha ze hanagnandrareo, akory Zagnahary vatany dra nizaka ho: "Izaho dra sy handoa andrareo mihisy, na hahafo andrareo koa." 6Aleo isika ho faly ba hahavany hizaka ho: " Gny Topo gny pamoziko; dra sy hatahosy zaho. Ino gny azonigny olo atao aminahy?"7Hevero reo pitariky andrareo, reo ze nizaka gny Zakan'agnahary tamindrareo, dra hevero gny vokasigny fihesik'ereo. Aleo manahaky gny finoan'ereo. 8Jesosy Kristy dra sy miova omaly, vo amizao, vo ho mandrakizay.9Ka magneky toniny amireo karaza fapenara hafahafa. fa soa raha tokony hamafisy amigny ze fahasoava gny fo, fa sy amigny hany ze sy magnapy reo ze mandeha miaraky amin'ereo. 10Isika dra mana alitara ze sy anagnan'ireo ze manopo gny tabernakely fahefa hihinana. 11Fa gny lionigny biby nivono atao fagnatisy ho anigny ota dra nandesiny pisorombe tao amigny toera masy, nandris'izay gny vatan'ereo dra noroa tagny ivelany toby.12Noho izay Jesosy avo koa dra nizaly tagny ivelanigny tana. ba hagnamasy reo vahoaky amigny alalanigny liony manoka. 13Andeha isika noho izay ho agny aminazy agny ivelanigny toby, hinday gny fahafaham-baraka. 14Fa sy mana tana maharisy isika eto. Fa kosa, mandigny gny raiky ze ho avy isika.15Amigny alalany, dra andao isika hanolosy reo fagnati-pidera ho an'Agnahary hatrany, fidera vokasy gny maloto ze magneky gny agnarany. 16Aleo sy alignosika gny manao gny soa vo magnapy gny olon'isany, fa amigny fagnatisy manahaky anizay gny tena mahafaly an'Agnahary. 17Makatoava vo magneke reo pitariky andrareo, fa ereo gny miahy gny fagnahindrareo, manahaky reo ze hanao tatisy. Makatoava ba hanao anizay apifalia reo pitondra andrareo, fasy apisetoy, ze lasa sy misy dikany.18Mivavaha ho anay, fa izahay dra nino fa mana feonigny fierisereta malio dra magniry hiay apahamarigna gny raha aby. 19Manosiky andrareo bebe kokoa aza zaho ba hanao anizay, dra ba hihery malaky amindrareo zaho.20Dra gny Zagnahary gny fiadagna, ze nananga tamigny maty gny piamby agnondry lahibe, gny Toposika Jesosy, taminigny alalanigny ranigny fagneke mandrakizay, 21dra hagnasoa andrareo amigny asa soa ba hanova gny sitrapony aby. Izy anie hiasa ao agnatisika ze tena akasitrahany eo agnatrehany, amigny alalan'i Jesosy Kristy, ze hame gny voninahisy mandrakizay. Amena.22Dra makahery andrareo zaho, ry rahalahy, ba hiarisy gny zakanigny fapahereza ze nisoratiko bory ho andrareo. 23Fataro fa nahafahy Timoty rahalahisika, ze hindray aminahy hagnety andrareo raha avy aloha izy.24Atovy veloma reo pitariky andrareo aby vo reo pino aby. Reo ze boak'agny Italia dra manao veloma andrareo.

James

Chapter 1

1Jakoba, panopon'agnahary vô Topo Jesosy Kristy, ho anireo foko ro ambiny folo nibarakay: arahaba. 2Rambeso ho fifalia avokoa zay,rahalahy, gny misy olana samihafa iandrareo. 3Fatasindrareo fa gny fisapa gny finoandrareo dra mahavy fahareta.4Angao gny fahareta hahatateraky gny asany, ba tena hiboaky vo ho feno tateraky handrareo, dra sy ho ory na ino na ino. 5Fa raha misy amindrareo mitalia fahendrena, aoky izy hangataky anizay amin'agnahary, gny raiky ze magnome asitra-po vo sy mandasa ze mangataky aby, vo ameny anazy zay.6Fa enga izy hangataky amigny finoa ,sy misalasala Amin'ino dre ino . Fa ze misalasala dra tahaky gny ozan_dranomasy ze andesihoky vô mitopatopa.7Fa ze olo zay dra sy tokony nieriserisy gny handray dre ino dre ino baka amy Topo.8Gny olo manahaky anizay dra miroa say,miovaova amigny lalany iaby.9Aoka gny rahalahy mahatra hanao gny fisandratany ho reharehany , 10fa gny olo manan-kanagna amigny fietreny ,satria izy dra hilofika manahaky gny Ravi-kazo dra egny amigny ahisy. 11Fa gny masoandro dra miboaky amigny hafana may dra magnamaiky gny ahisy . Gny ravikazo dra mihisa ,sady gny hasarany dra ho levo. Manahaky anizay koa ,gny olo manakanagna dra halazo egny amigny asasany gny liany.12Sambasy gny olo ze miarisy fisapana .Satria gny baka nandalo fisapa izy,dra handramby gny satro-boninahisy gny fiaigna , ze napanatena tamin'ereo ze tia agn'Agnahary. 13Gny misy halam-pagnahy dra ao izy sy hizaka hô:'' Zagnahary gny nangalaky fagnahy anahy,'' satria Zagnahary sy azon'gny rasy ala fagnahy ,sady sy bâ mangalaky fagnahy dre aniza dre aniza.14Fa samy ala-pagnahy amigny fagniriany manoka gny olo kirairaiky ,ze mapiemosy vô mandresy anazy.15Gny fa torotoro gny fagniria , dramiteraky fahota . Dra gny mitombo tateraky gny ota ,dra miteraky fahafatesa. 16Ka mety ho fitahy ,ry rahalahy malalako.17Gny fagnomeza soa iaby vô gny fagnomeza avy lafasy aby dra bak'agny agn'abo . Zay dra mizoso baka amigny Ragn'gny fahazava . Miaraky amigny dra sy misy fitova dre aloky nohon'gny fiodigna. 18Zagnahary dra nifily gny hagnome fahateraha asika amigny zaka fahamarigna ,bâ ho karaza voloham-bokasin'ereo aby ze nofononiny isika.19Fatasindrareo zay,ry rahalahy malalako : aoka gny olo aby halaky hiteno ,sy hizaka ho ôry. 20Fa gny hahoriagn'olo dra sy ahefa gny fahamarignan'Agnahary. 21Koa alao gny fahalotoa iaby vô gny faharasia iaby .Ami-panetre tegna dra rambeso dra rambeso gny zaka fa napetraky ,ze afaky mamozy gny fagnahindrareo.22aoka ho pakato gny zaka handrareo fa sy ho piteno avo, la mamitaky gny vatandrareo. 23Fa raha misy piteno gny zaka nefa sy pakato, dra manahaky gny olo ze mandiniky gny tarehiny voazagnahary agnaty fitarasy izy. 24Mandiniky gny vatany izy dra mandeha boakeo dra magnaligno momba anazy. 25Fa gny olo ze mandiniky soa gny lalanigny fahafaha tonga lafasy, vo manohy manao anizay, fa sy ho piteno fosiny ze magnaligno, dra ho tahy amireo asany zay olo zay.26Raha misy mihevi-bata ho pivavaky ,nefa sy mifehy gny lelany ,dra mamitaky gny fony izy zay ,dra sy misy viliny gny fivavahany . 27Gny fivavaha malio vô sy misy pety eo agnoloan'agnaharisika vô gny Rasika dra zao: hagnapy reo kamboty vô reo pinday vata amigny fahotan'ereo, dra miaro gny vata bâ sy hisy petina baka amizao totolo zao.
Chapter 2

1Ry rahalahy , ka mihazo gny finoa an'i Toposika Jesosy Kristy, gny topogn'gny voninahisy ,amigny fiagara amigny olo sasany .2Ataovy hô misy olo milisy ao amigny fivoriandrareo manao banga volamena vô ankazo soa,dra misy lelahy mizaly avô koa milisy manao akazo maloto.3Raha magnety gny olo miakazo soa anao dra mizaka hô: ''Azafady mitoera eto amigny toera soa ,''fa hizaka amigny lelahy mizaly koa hô: '' Misangana anao erihô,''dre hô : ''Mipetraha eto antomboko,'' 4moa sy micapisara amindrareo reo ? Moa sy lasa pisara amigny eritreri-drasy andrareo?5Mitenoa , ry rahalahy malalako ,sy fa nofilin'Agnahary se gny mahatran'izao totolo zao bâ hanakarena amigny finoa vô bâ ho pandova gny fazakana ze napanatenana reo ze tia Anazy ? 6Fa andrareo dra nangalaky baraka gny mizaly ! Moa sy ereo gny mapahôry andrareo ? Moa sy ereo se gny mitariky andrareo ho eo amigny fisarana ? 7Moa sy ereo seky gny magnarasy gny agnara soa ze andrareo?8Dre zay aza ,raha magnatateraky gny lalagn'gny pazaka andrareo ,araky gny sorasy masy hô:''Tiavo gny namanao tahaky gny vatanao ,''dra manao gny sitraky gny olo sasany koa andrareo ,dra manota , ka voafagnahia mitovy gny pandika lalàna.10Fa dre iza dre iza matia gny lalana iaby ,kanefa lavo amigny lala raiky avô, dra ho ôry amigny lalàna iaby.11Fa gny nizaka hô:'' ka mizangazanga,''dra nizaka avô koa hô: ''ka mamono olo.''Raha sy mizangazanga andrareo ,kanefa mamono olo,dra lasa pandika lalàna.12Noho zay mizaka vô manova mitovy amy ze ho sara amigny lalagn'gny fahafahana.13Fa gny fisara dra avy sy misy famindram-po amin'ereo ze sy naharé famindram-po.Dra gny famindram-po dra mandresy gny fisara.14Ino gny soa , ry rahalahiko , raha milaza gny olo raiky fa manam-pinoa izy ,kanefa sy misy asa ? Afaky hamozy anazy seky zay finoa zay ? 15Atovy hô misy rahalahy na anabavy rasy fitafy vô sy ampy hany isan'andro . 16Atôvy hô misy raiky amindrareo mizaka amin'ereo hô:'' Mandehana am-pilaminana ,manova mafana ary mivokisa.''Raha sy magnome anazy reo gny raha taliaviny ho agn'gny vata andrareo , ino gny mahasoa anizay ? 17Dra mitovy amizay koa gny finoa ,raha sy misy asa zay ,dra maty.18Nefa mety misy olo mizaka hô: '' Mana-pinoa anao ,dra zaho manan'asa .''Asehoy anahy gny finoanao sy misy asa ,dra asehoko anao koa gny finoako amigny lalagn'gny asako.19Ianao dra mino fa raiky avô gny Zagnahary; soa ze ataonao zay . Fa na reo devoly reo aza mino anizay ,ka dra Mangitikitiky ereo . 20Tiandrareo ho fatasy se , gny lelahy mola ,fa gny finoa sy misy taliava anazy ? [ Fanamarihana: Gny dika-zaka taloha gn'ilany dra mamaky hô: '' Tiandrareo ho fatasy seky , ry lelahy mola ,hô nanao akory gny finoa ta hisy asa gny maty ?'']21Sy tamigny asa koa seky gny nagnamariha an'i Abrahama rasika gny nanolosy an'Isaka zanandahiny teo amigny alitara izy? 22Hitanao fa gny finoa dra niasa niaraky tamigny asany , dra amy asa dra niboaky tateraky gny finoany . 23Dra tateraky gny Sorasy Masy se mizaka hô: ''Abrahama nino an'Agnahary ,ka nisafy tamigny ho fahamarigna zay ,'' dra izy nitokavy hô sakaizan'Agnahary .24Hitatandrareo zao fa amign'gny asa gny hagnamary gny olo,fa sy amigny finoa avô.25Mitovy amizay koa , Rahaba pivaro-tegna sy nohamarigny tamigny asa koa se izy, gny nandray reo iraky vô nandefa anazy reo tamigny lala-kafa? 26Fa maty gny vata raha misaraky amigny fagnahy ,dra mitovy amizay koa ,gny finoa sy misy asa dra maty.
Chapter 3

1Sy olo maro gny tokony ho lasa papianasy ,ry rahalahiko . Fatasika fa handramby fisara fatrasy isika .2Fa isika iaby dra tafitohy amign'gny fomba maro . Raha misy sy tafitohy amin'ereo tegny ,dra lelahy matosy tateraky izy ,afaky mifehy na dre gny vatany raiky manotolo avô.3Gny raha asika lamboridy eo ambavan'ereo sovaly bâ hakatoavin'ereo asika,dra afaky minday gny vatan'ereo raiky manotolo avô koa isika . 4Hatio avô koa fa reo sambo ,dre dra lahibe tokoa aza izy reo dra andesigny sihoky mahery, dra voavilign'gny familia vatâ masaiky agny aby amin'izay tiagn'gny panamory.5Mitovy amizay koa gny lela dra rasa masaiky amign'gny vata ,kanefa izy dra mihambo-draha maro . Hatio avô koa gny hasaikign'gny afo zay fe magnoro ala be . 6Gny lela avô koa dra afo , totologn'gny rasam-batasika. Zay dra magnisy petipety gny vata raiky manotolo dra magnoro gny lalam-piagna . Arehisign'gny helo gny vatany .7Fa gny karaza-biby aby ,voro,biby mandaly ,dra zava-boaharin-dranomasy dra folaky sady nofolahign'gny olombelo. 8Fa momban'gny lela ,sy misy olo mahavita mamolaky anizay. Io dra rasy sy hay fehezina ,feno poizy mahafaty.9Amizao gny hiderasika gny Topo vô gny Ra , dra amizao gny hagnozognasika olo, ze natao nitovy tamin'Agnahary. 10Baka amigny vava avô gny niboahan'gny fitahia vô fagnozogna. Ry rahalahiko,sy tokony hisy reo raha reo.11Moa gny loharano se mamoaky rano mamy vô mafaisy baka amigny fiboahany ? 12Moa gny hazogn'gny aviavy se ,ry rahalahiko, mamoa oliva ? Dre gny voloboky, mamoa aviavy? Gny rano masira koa dra sy afaky hagnome rano mamy .13Iza gny hendry vô mahay eo agnevondrareo? Angao ze olo zay hapiboaky fiaigna soa amigny asany amigny fanetre-tegnagn'gny fahendrena.14Fa raha mana fialogna rasy andrareo dra ragnirian-daza ao am-pondrareo ,dra ka mihambo na mavandy manohisy gny mary.15Zay dra sy fahendrena ze nizoso bak'agny agn'abo.Fa avy amigny tany ,gny sy ara-pagnahy , gny devoly zay. 16Fa agny amin'izay misy fialogna sy fagniria-daza, dra misy fifanjevona vô fanaova gny rasy aby. 17Fa gny fahendrena bak'agny agn'abo dra malio aloha , Bak'eo feno fiadana , malemy fagnahy m mihevisy gny hafa ,feno famindram-po vô vokasy soa , sy malemy , dra sotra . 18Gny vokasy gny fahamarigna dra voafafy am-piadana eo agnevon'ereo ze mapihava.
Chapter 4

1Bak'eza gny niavian'ereo aly vô reo fifandira eo aminereo? Moa se reo sy avy amigny fagniriandrareo ze mialy amigny pikamba eo agnevondrareo? 2Magniry andrareo ,nefa sy mana .Mamono vô magniry andrareo , nefa sy afaky gny ahazo. Mialy vô mifagnakany andrareo . Sy mana andrareo satria sy mangataky .3Mangataha andrareo nefa sy mahazo satria rasy fangataky , bâ ahafahandrareo mapiasa anizay ho amigny fagniriandrareo.4Andrareo ry pizangazanga! Moa sy fatasindrareo se fa gny fisakaizana amin'izao totolo zao dra fandrafia manohisy an'Agnahary? Koa dre iza dre iza te -ho sakaizan'izao rotolo zao dra manao gny vatany ho fahavalon'agnahary. 5Sa andrareo se mieriserisy fa gny Sarosy Masy dra mizaka raha- fahatany hô:'' Gny fagnahy ze nataony niania tao amisika dra saro-piaro loasy''?6Fa Zagnahary magnome fahasoava maro tokoa , noho izay dra hô gny sorasy masy hô: '' Zagnahary manohisy gny pirehareha,fa magnome fahasoava gny mpanetry tegna ' 7ka magneky an'Agnahary. Tohero gny devoly ,dra hilomay andrareo izy .8Magnarignia an'Agnahary, dra hagneky andrareo izy.Liovy gny tagnandrareo, ry mpanota, dra liovy gny fondrareo,ry piroa say.9Malahelova , mandalà, dra mitomagnia! Aoka gny fiomehezandrareo holy fitomagnia, dra gny fifaliandrareo ho fazoreta.10Manetre-tegna eo agnatrehan'i topo, dra hanandrasy andrareo Izy.11ka mifagnarasy andrareo ,ry rahalahy .Gny olo ze magnarasy gny rahalahy na misara gny rahalahy dra manohisy gny lalàna. Raha misara gny lalàna andrareo ,dra sy pakato gny lalàna ,fa pisara . 12Raiky avô gny magnome lalàna vô misara.Izy avô gny raiky afaky mamozy vô mamono . Iza moa anao, ze misara gny namanao?13Dra mitenoa ,andrareo ze mizaka hô:'' Amizao na maray filirany ato Amin'itihô tana itihô isika , heritao hizano agny ,hanao varosy ,dra hangalaky tombony .''14Iza gny mahay ze raha hisy maray ,dra ino gny fiaignandrareo? Fa zavona miboaky malaky andrareo sady Bak'eo dra levo.15Fa dra , tokony hizaka amindrareo hô : '' Raha sitraky gny Topo, dra ho velo isika dra hanao agn'isy na hanao anindrahôky. ''16Fa amizao andrareo dra mirehareha amin'ereo tetiky boaboa. Gny fireharehany aby mitovy dra rasy. 17Ka ho an'izay mahay aby manao gny soa nefa sy manao anizay ,dra ôry ho anazy .
Chapter 5

1Avia, andrareo ze mpana-karena, mitomagnia vô midradradradrà noho reo fahoria avy amindrareo .2Gny fanagnandrareo fa hô lo, dra gny fiakazognandrareo fa lanign'gny kalalao.3Gny volamenandreao vô gny volafosindrareo dra fa heriky .Gny heriky dra ho vavolombelo havandy amindrareo.Hagnoro gny nofondrareo manahaky gny afo zay . Nahazanereo gny hanagnandrareo ho amigny reo andro farany .4Indro, gny karaman'ereo piasa dra mitaray gny karama ze nihazon'ereo sy ho an'ereo ze namokasy gny tanimboly drareo , dra reo fitaraignagn'gny mpijinja dra fa avy agny sofiny topogn'gny maro .5Niay tamign'gny harena teto an-tany andrareo sady nagnara-po tamign'gny vatandrareo . Natavezindrareo gny fondrareo ho agny andro famonoa.6Nagnahy vô namono gny olo-mary andrareo . Sy nanohisy andrareo izy.7Koa mahareta, rahalahy, mandrapiavign'gny Topo. indro, gny pamboly miamby gny vokasy sarobily baka amigny tany.Miamby amim-pahareta anizay izy , mandra-pahazoan'izay gny volohany vô gny fara-ora.8Andrareo ,avô Koa, mahareta . Hatazaho gny fondrareo, satria fa mariny gny fiaviagn'gny Topo.9Ka mifapitaray, rahalahiko,bâ sy ho sara andrareo .Indro,gny pisara misanga eo am-baravara.
11Indro, ataosika mitovy manahaky gny sambasy reo ze fa miharisy . Fa rendrareo gny fiaretan'i Joba , dra fatasindrareo gny tazogn'gny topo,gny maha -feno fangoraha vô famindram-po anazy.12Fa agn'abony iaby , rahalahiko ,ka mianiana ,dre amigny lagnisy dre amigny tany ndre amigny fiaigna hafa. Fa dra,aoka gny zakandrareo hô: ''Eny'' ho ''Eny'' dra gny ''ahaha ''ho ''ahaha'',bâ sy hilisy amigny fisara andrareo .13Misy olo mizaly se eo amindrareo amigny aly sarosy? Ao izy hivavaky.Misy olo faly se ? Aona izy hiatsa fiderana .14Misy marary se eo agnevondrareo ? Aoka izy hitoka gny lohologn'gny fiangona ,dra ao izy reo hivavaky ho anazy . Aoka ereo hagnososy menaky anazy amigny agnarany topo.15Gny fivavaky gny finoa gny hagnasitrana gny olo marary,dra gny Topo hananga anazy . Raha nanota izy , dra hamela anazy Zagnahary.16Koa mifaneke heloky andrareo, dra mifapivavaha, bâ ho afaky andrareo . Gny vavaky ataogn'gny olo-marina dra tena matazaky amigny fiasany . 18Bak'eo nivavaky draiky Elia . Gny lagnisy dra nagnome ranon'ora, dra gny tany namoa gny vokany .19Ry rahalahiko ,raha misy eo amindrareo miala amigny fahamarigna ,dra misy raiky koa mampihery anazy, 20dra tokony ho fatasy hô olo hô fa dre iza dre iza mangalaky gny panota raiky amigny lala-diso dra hamozy anazy amigny fahafatesa,dra hanafosy fahota marobe.

1 Peter

Chapter 1

1Petera, apostolon'i Jesosy kristy, ho an'ireo zanakapelany, reo ze voafily, manera an'i Ponto, Galitia, Kapadokia, Asia, dra Bitynia. 2Zay dra araky gny fatasy zagnahary ray aloha, voatokan'ny fagnahy ho fakatoava vo ho famafaza gny lion'i Jesosy Kristy. Ho amindrareo anie gny fahasoava, dra hitombo anie gny fiadagnandrareo.3Ho tahiny Zagnahary vo baban'i Jesosy Kristy toposika. Tamigny famindra_pony, gny nagnomezany asika fahaterahana vaovao ho an'ny fahatokisan'ny lova. Izay lova zay dra tamigny alalan'ny fisanganan'i Jesosy Kristy tamigny maty. 4Zay dra ho an'ny lova zay sy ho maty, sy ho sola, dra sy ho levo. Zay dra voatoka ho andrareo agny an-dagnisy. 5Handrareo dra arovan'ny herin'i Zagnahary amigny alalan'ny finoa, ho an'ny famozena zay fa vonona ho zaka amigny fotoa farany.6Tena falifaly momba izay handrareo, na dre taliavindrareo aza gny hahasiaro malahelo amigny ola maro samy hafa amizao. 7Zay dra ho an'ny fagnaporofoa gny finoandrareo, zay sarobidy loasy nohonigny volamena zay sola, na dre noroa tamigny afo aza. Miboaky zay ba ho hita gny vakany gny finoandrareo amigny fiderana, vaninahisy, dra haza amigny hiboahan'i Jesosy Kristy.8Sy nahita anazy handrareo, nefa tia anazy. Sy mahita anazy handrareo amizao, kanefa mino anazy dra tena falifaly amigny fifalia sy hay zaka, mahafinarisy. 9Resindrareo amizao gny vokany gny finoandrareo, dra gny famozena gny fagnahindrareo. 10Reo paminany dra nikaroky vo nagnotany soa gny momba izay famozena izay, gny momba gny fahasoava izay ho andrareo.11Izy reo dra nitalia gny hahafatasy gny momban'ny ho iza vo ombia gny fagnahin'i Kristy ao amin'ereo gny nizaka tamin'ereo. Izay dra niseho manahaky gny zinakany anazy reo taloha momba reo fizalian'i Kristy vo gny vaninahisy magnoriky izay. 12Nizaka tamin'ereo zay ba sy hanopo gny vatany ereo, fa handrareo, aby nizaka anio raha io voazaka tamindrareo amizao izy reo tamigny alalan'ireo izay nitory gny filazasara tamindrareo tamigny alalan'i fagnahy masy nalefa avy agny an-dagnisy--Gny raha tian'ireo azely ho fatasy.13Noho izay omano gny saindrareo. Mahognona tegna.Manobia fitikia amigny fahasoava zay handesy eo amindrareo amigny hisehoan'i Jesosy Kristy. 14Amigny maha-zanaky pakato, aza mapifagnaraky gny tegnandrareo am'ireo fagniria izay narahindrareo tamigny bo sy nahay andrareo.15Fa manahaky gny raiky izay nitoka andrareo ho masina, handrareo, avo koa, aoka ho masy amigny fitondra-tegnandrareo aby. 16Fa voasorasy ho: "Aoka ho masy, satria masina zaho." 17Dra gny mitoka gny raiky zay mizaka sy misy fagnavakavaha araky gny asan'olo kiraikiraiky aby ho: "Ray" handrareo, dra handany gny fotoan'androndrareo amigny fanehoha fagnaza.18Fatasindrareo fa sy avy tamigny volafosyna volamena mety levo gny nagnavotany andrareo tamigny fitondra-tegna mola izay nianarandrareo tamigny razandrareo. 19Fa koa, navota tamigny lio sarobidin'i Kristy handrareo, zay manahaky gny zanak'agnondry sy misy kilema dre raiky.20Voafily talohan'ny nanangana an'izao totolo izao Kristy, fa amizao dra tamin'ireo fotoa farany gny nizaka anazy tamindrareo. 21Amigny alalan'ny gny hiniandrareo anazy tamigny maty vo tam'ireo nameny vaninahisy ba ho ao amin'i Zagnahary gny finoa vo gny fahatokiandrareo.22Nagnaligno gny fagnahindrareo tamigny fakatoava gny fahamarina handrareo. Izay dra ho an'ny fitiava ara_pirahalahia malio; noho izay mifakatiava fatrasy amigny fo. [ fagnamariha: reo dika-teny sasany dra mivaky ho: ''nagnalio gny fagnahindrareo tamigny fakatoava gny fahamarinandrareo tamigny alalan'i fagnahy handrareo"] 23Nateraky ndraiky handrereo, sy avy amigny voa mety maty, fa avy amigny zakan'i Zagnahary velo vo mitoboky.24Fa ''gny nofo aby dra manahaky gny ahisy, dra gny voninahiny aby dra manahaky gny vonikazon'ny ahisy. Maiky gny ahisy, dra malazo gny raviny, 25Fa gny zakan'ny tompo dra mitoboky mandrakizay.'' Izay gny vaovao mahafaly zay zinaka tamindrareo.
Chapter 2

1Noho zay ario gny rasy aby, gny fahadisoa-fanatenana aby, gny fihasara-velasihy, gny fagniria, dra gny fagnendrikendreha aby. 2Manahaky gny raha vo teraky, magniry ronono ara-fagnahy malio, ba hahafahandrareo mitombo ao amigny famozena amigny alalan'ny, raha nahasapa handrareo fa soa fagnahy gny tompo.4Magnaton'anazy gny vato velo zay narian'olo, fa voafilin'i Zagnahary ho mana-laza aminazy. 5nHandrareo avo koa dra manahaky reo vato velo zay voaory ho tragno ara-pagnahy, ba ho pisoro masy zay manolosy gny soro ara-pagnahy amizao amigny alalan'i Jesosy Kristy.6Gny sorasy masy dra ahita izao: ''Ingo, zaho mitoboky amigny ziona vato fehizoro, voafoly vo mana-laza. Izay aby mino amazy dra sy megnasy.''7Gny vaninahisy noho izay dra ho anao izay mino. Kanefa, ''gny vato narian'ireo pagnori-tragno, zay dra avy lohan'ny fehizoro''- 8Dra, vato mahatagatoy vo vatolapy mahalavo. Tafatoy ereo sy nakato gny zakany, izay voatoka ho anazy ereo koa.9Fa hanao dra olo-voafoly, pisoron'ny pazaka, ferenena masy, olo ho an'ny fanagnan'i Zagnahary, ba ho afaky hizaka gny hasoan'ireo asany ray izay nitoka anao avy tao amigny mezy hagnao amigny hazavany mahatalazo hanao. 10Taloha hanao si olo, kanefa amizao hanao dra olon'i Zagnahary, Sy nandray famindram-po hanao, fa amizao hanao nandray famindram-po.11Ry malala, mitoka andrareo manahaky gny vahiny vo pirerirery zaho ba hifaly gny filan'ny nofo, zay mahavy aly manohisy gny fagnahindrareo. 12Tokony gny mana fitondra-tegna soa handrareo eo am'ireo zetilisa, ba ho, raha mizaka momba amdrareo ho nanao reo asa rasy izy reo, dra tokony hahita reo asa soa ndrareo vo hakalaza an'i Zagnahary amigny andro zay hahaviany.13Akatoavo gny fahefan'ny olombelo aby noho gny amigny tompo. Akatovo manahaky gny agnabo indrindra gny pazaka, 14Vo reo Goverinora avo koa, zay nalefa ba hagnasazy reo panao rasy vo hakalaza reo panao gny soa. 15Fa zay gny sitrapon'i Zagnahary, amigny fanova gny soa andrareo dra mapigy gny zaka sy mahalala fomban'ny olo mola. 16Manahaky gny maha-olon'afaky, aza apiasa ho manahaky gny fandombofa fahalemea gny fahafahanao , fa aoka hanamaky gny fahafahanao, fa aoka hanahaky gny panopon'i Zagnahary. 17Omeo voninahisy gny olon'aby. Tiavo gny firahalahia. matahora an'i Zagnahary. Omeo voninahisy gny pazaka.18Ry panopo, meteza hagnagny hagneky gny topondrareo amigny fagnaza aby. Ka magneky ho ponopon'ny soa vo gny topo so fagnahy, fa ho an'ireo rasy toetra avo koa. 19Satria mendri-piderana izay raha misy miarisy manaitay aby mizaly amigny sy rariny noho gny fanatenany an' zagnahary. 20Fa hotrino gny vola raha manota hanao dra miarisy mandrisy gny fagnasazia anao lateo? fa gny nanao gny soa hanao dra miarisy mandrisy gny fagnasazia anao, dra memdri-piderana amin'i Zagnahary izay.21Fa noho itihiky gny nitokava anao, satria Kristy avo koa dra azely ho nao. Nagnenga ohasy ho nao izy ba hagnoroha ireo lalany. 22Sy nanota izy, na hoe nisy fitaky teo am-bavany. 23Gny nizaka rasy izy, dra sy ba namaly rasy. Gny nizaly izy, dra sy nandraho, fa nagnome gny vatany tamigny rai izay pisara apahamarina.24Izy vatany dra ninday reo fahotasika tao amigny vatany ho eo agnabo hazo, ba sy hana azara amigny fahota sasy sika, dra ba hiay ho an'ny fahamarina. Tamigny alalan'ny rasany gny nahasitrany andrareo. 25Nirerirery manahaky gny agnondry levo handrareo aby, fa amizao handrareo nihery tamigny piamby agnondry gny fagnahindrareo.
Chapter 3

1Amin'izay fomba izay, handrareo apela dra tokony hagneky gny valindrareo. Atovy na dre misy lelahy maro aza sy tia gny zaka, dra mety ho azo reo na sy misy aza gny zaka, amigny alalan'ny fitondra-tegnany valin'izy reo. 2Fa izy reo dra hahita gny fitondra-tegna mendrikandrareo a-pagnaza.3Aoka izay ho tateraky sy mindray amin'ireo hengo: randram-bolo, firavaky vilamena, na akazo lamody. 4Fa koa, aoka izay ho tateraky mindray amin'izy ao a-pony olo, vo gny hasoa maharisin'ny fagnahy soa vo simizaka, izay sarobidy eo agnatrehan'i Zagnahary.5Fa reo apela masy taloha g ny nandravaky gny vatan'izy reo manahaky izay. Nana fahatokia an'i Zagnahary izy reo dra nagneky gny valiny aby. 6Manahaky izay fomba izay gny nitian'i Abrahama an'i Saraha vo nitokavany anazy ho topony. Handrareo dra zanany amizao gny manao izay soa vo sy matahosy olo handrareo.7Manahaky izay avo, handrareo lelahy dra tokony miay mindray amigny valindrareo araky gny fahazava-say, manahaky gny fanaky malemy kokoa, gny apela, Tokony amendrareo voninahisy izy reo manahaky gny piara-mandova izay ba sy ho voasaka gny vavakindrareo.8Farany, handrareo aby, aoka hindray say, hangoraky, hifakatia manahaky gny pirahalahy, ho so-po, dra hanetri-tegna. 9Ka mamaly rasy gny sary na manevateva gny pagnavetaveta. Mifanohisy amin'izay aza, mitahia hatragny, fa noho izay gny nitokava andrareo, ba hahafahandrareo mandova gny fitahia.10"Gny raiky izay te hakafy gny fiegna vo te hahita andro soa dra tokony hagnasahasy gny lelany amigny rasy vo gny molony amigny fizaka fitaky. 11Aoka izy hiala amigny atao hoe rasy dra hanao izay soa. Aoka izy hitalia fiadagna vo hitaky izay. 12Gny mason'ny topo mahita gny marina, dra gny sofiny mahare reo fangatahan'izy reo. fa gny tavan'ny topo dra manohisy reo izay manao rasy.''13Iza gny raiky izay hagnahy andrareo raha magniry gny hanao gny soa handrareo? 14Nefa gny mizaly nohon'ny fahamarira handrareo, dra sambasy, Ka matahosy izay hatahoran'izy reo. Ka mangorohoro.15Fa koa, atokano manahaky gny masy ao apondrareo gny topo Kristy. mivono hatragny hamaly gny olo aby izay magnotany andrareo gny atony hatokindrareo an'i Zagnahary. Atovy amigny haleme-pagnahy vo fagnaza izay. 16Mana feon'ny fierisereta malio ba gny olo izay manevateva gny fiaigna soandrareo ao amin'i Kristy dra mety megnasy satria mizaka manohisy andrareo izy reo manahaky gny ho panao rasy handrareo. 17Soa kokoa, gny Zagnahary gny magniry, fa mizaly handrareo amigny fanova gny soa nohon'ny fanova gny rasy.18Fa nizaly nohon'ny fahota avo koa i Kristy. Izy zay marina dra nizaly ho asika, zay sy marina, ba handesany asika eo amin'i Zagnahary. Nivono tamigny nofo izy, fa nivelomin'ny fagnahy. 19Tamigny alalan'ny fagnahy, dra nandeha izy dra nitory ho an'ireo fagnahy izay agny apigadra amizao. 20Sy nakato izy reo gny nindray gny faharetan'i Zagnahary tamigny andron'i Noa, tamigny andron'ny fanangana sambofiara, dra Zagnahary namozy olo kelikeliky_ fagnahy valo_ tamigny rano.21Izay gny famatara gny batisa izay mamozy andrareo amizao_ sy manahaky gny fagnadiova gny loto amigny vatany, fa manahakay gny ason'ny feon'ny fierisereta ho amin'i Zagnahary_ tamigny alalan'ny fisangan'i Jesosy tamigny maty. 22Kristy dra eo atagna akavian'i Zagnahary. Niakasy agny an-dagnisy izy. Ireo azely, reo mana-pahefana, dra gny hery sy maisy magneky anazy.
Chapter 4

1Noho izay, satria nizaly tamigny nofo i Kristy, dra atovy fialian'ny vatandrareo izay tazona izay. Fa izay aby nizaly tamigny nofo dra nisahasy tamigny fahota. 2Vokas'izay, gny olo manahaky izay, mandrisy gny fotoa sisa hiegnany, dra sy hiay ho agny fagnirian'ny olo sasy, fa ho an'ny sitrapon'i Zagnahary.3Fa apy izay gny fotoa lasa nanova izay tian'ny Zetilisa atao-hafalian'ny nofo, fizezozezoa, fimamao, fitondra-tegna mahamegnasy, fihira rasy, dra reo asan'ny fanopoa sapy mapangelakelaky. 4Ataon'izy reo fa hafahafa satria sy mikamba amin'izy reo ao amin'izay fagnaragna-po be izay handrareo, noho izay dra hizaka rasy momba andrareo izy reo. 5Hamaly gny ray izay vonona hisara gny velo vo gny maty izy reo. 6Noho izay atony izay gny nitoria gny vaovao mahafaly tamin'ireo maty avo koa, ba, na dre nisara tamigny nofo manahaky gny olo aza izy reo, dra hiay manahaky an'i Zagnahary.7Magnariny gny faran'ny raha aby. Noho izay miavia say, dra mahonogna tegna amigny ariserisindrareo ho an'ny fitiavam-bavaky. 8Agnabony raha aby, mana fitiava feno ho an'ny kiraikiraiky avy, fa gny fitiava mandrakosy fahota maro. 9Mifapitragnoa sy a-pitaregna.10Fa gny kiraikiraiky amindrareo dra nandray fagnomeza-pahasoava, apesao hofanopoa izay. Manova izay manahaky gny pita-raharahan'ny fagnomeza-pahasoava maro maimaipoana an'i Zagnahary. 11Gny misy mizaka, aoka izy hanao manahaky gny ray mizaka gny zakan'i Zagnahary. Gny misy manopo, aoka izay ho avy amigny hery izay vasian'i Zagnahary. Manova reo raha reo ba home- voninahisy amigny alalan'i Jesosy Kristy amigny fomba aby Zagnahary. Aoka ho an'i Jesosy Kristy gny voninahitra vo gny hery mandrakizay doria. Amena.12Ry malala, ka ala ho hafahafa gny fisapa amigny afo izay nitranga tamindrareo, manahaky gny ho nisy raha hafahafa nitranga tamindrareo. 13fa koa, na dre maro aza gny hiegnandrareo reo fizalian'i Kristy, mifalia, ba ho afaky avo koa handrareo dra ho falifaly amigny fizakany gny voninahiny. 14Gny nitevatevany noho agnaran'i Kristy handrareo, dra voatahy, satria gny fagnahin'ny voninahisy vo gny fagnahin'i Zagnahary dra mitoboky ao amindrareo.15Fa aoka sy hisy na iza na iza amindrareo hizaly namahaky gny panopo olo, mangalasy, panao rasy ,na piraharaha gny an'ny hafa. 16Fa gny misy mizaly fa kristiana, aoka izy tsy ho megnasy; fa koa aoka hagnome voninahitra an'iZagnahary amin'izay agnara izay izy.17Fa fotoa izao hanomboha gny fisara mindray amigny akohonan'ny Zagnahary. Gny manomboky amisika izay, ino gny ho vokasy ho an'ireo izay sy makato gny an'ireo zay sy makato gny filazasaran'i Zagnahary? 18Dra gny'' gny olo mary aza sy ho voavozy, amigny fomba manaoakory gny hiboahany olo sy an' Zagnahary vo gny panota?'' 19Noho izay aoka izay mizaly noho gny sitrapon'i Zagnahary hagneky gny fagnahin'ny reo amigny pamoro matoky amigny fanova soa.
Chapter 5

1Magnanasy reo loholo amindrareo zaho, izaho, izay loholo namana. Izaho avo koa dra vavolombelon'ireo fizalian'i Kristy, dra izay koa pikamba ao amigny voninahisy izay fa haseho. 2Noho izay, magnanasy andrareo zaho, dra loholo, ligniso gny agnondrin'i Zagnahary izay eo amindrareo. Oriho maso izy reo, sy amigny vola maloto, fa asitrapo. 3Aza mazakazaka amigny olo izay tandremandrareo. Fa koa, aoka ho fitarasy ho an'ny agnondry. 4Dra gny miseho gny lohan'ny piambin'agnondry, dra hahazo satro-voninahisy sy mety sola handrareo.5Manahaky izay koa, handrareo tanora fagnahy, magneke gny olo lahibe, Handrareo aby, tafio fanetre-tegna gny vatandrareo dra mifanopoa. Fa Zagnahary manohisy gny pirehareha, fa magnome fahasoava gny panetry tegna. 6Noho izay manetre tegna eo ambanin'ny tagna-maherin'i Zagnahary ba hanandratany andrareo amin'izay fotoa izay. 7Atobeo eo amigny fagnahindrareo aby, satria izy miahy andrareo.8Mahognona tegna, miambena. Gny fahavalondrareo, dra gny devoly, magnodidy manahaky gny liona mierona, mitalia izay olo ho arapany. 9Magnohera anazy. mieregna amigny finoandrareo. Fatasindrareo fa izay fahoria izay dra mazo gny firaisan'ireo pino manera an'izao totolo izao avo koa.10Gny avy mizaly nandrisy gny fotoa boribory handrareo, gny Zagnahary gny fahasoava aby, izay nitoka andrareo hoa amigny voninahiny mandrakyzay ao amin'i kristy, dra hahatateraky andrareo, hananga andrareo, dra hapahery andrareo. 11Ho izy anie gny fazaka mandrakizay mandrakizay. Amena.12Alako manahaky gny rahalahy matoky i Silasy, dra nanorasy zaka boribory ho angdrareo tamigny alalany zaho. Magnanasy andraeo zaho dra mizaka andrareo fa izay nisoratiko dra fahasoava marin'i Zagnahary. Mizoroa amin'izay. 13Gny apela izay agny Babylina, izay voafily nindray tamindrareo, manao velo andrareo. dra koa i Marka, zanako lahy, manao velo andrareo. 14Mifanova velo amigny fanoroa-pitiava. Ho amindrareo aby anie gny fiadagna izay ao amin'i kristy.

2 Peter

Chapter 1

1Simona Petera, panopo vo apostolin'i Jesosy Kristy, ho an'ireo zay nahazo gny finoa sarobidy manahaky izay nalanay, finoa ao amigny fahamarinan'ny Zagnaharisika vo Jesosy Kristy pamozy. 2Hapitombo anie gny fahasoa vo fiadagna nohon'ny fahalala an'i Zagnahary vo Jesosy toposika.3Reo raha aby mahakasiky gny herin'i Zagnahary ho an'ny fiaigna vo toe-pagnahy dra name asika tamigny alalan'ny fahalala an'i Zagnahary, zay nitoka asika tamigny alalan'ny voninahisy vo gny fahasoavany manoka. 4Tamigny alalan'ireo, nameny zaka fikasa soaisika, ba ho lasa pizara amigny fomban'Agnahary handrareo, fa gny mienga gny fahalotoa eto atany noho reo filan-drasy.5Noho izay, manova gny soa ba hagnapia fahasoava amigny alalanigny finoandrareo, dra amigny alalanigny fahasoavandrareo, gny fahalala. 6Amigny alalanigny fahalalandrareo, magnapia fahonogna-po, vo amigny alalanigny fahonogna-pondrareo, magnapia fereta, dra amigny alalanigny fiaretandrareo, magnapia toe-pagnahy. 7Amigny alalanigny toe-pagnahindrareo, magnapia fitiava rahalahy, dra amigny alalanigny fitiava rahalahy, magnapia fitiava.8Raha ao amindrareo reo dra mitombo ao amindrareo, dra sy hamoa na sy hamokasy amigny fahalala an'i Jesosy Kristy Toposika handrareo. 9Fa na iza na iza sy apy reo raha reo dra sy mahita afa-sy ze mariny avo; poaky izy. Nihalignoiny gny fagnaliova anazy tamireo fahota taloha.10Noho izay, ry rahalahy, atovy gny ba hahazoa atoky gny fienga vo gny fifilia andrareo aby. Raha manao reo raha reo handrareo, dra sy ho voafinga. 11Amizay dra malalako ho andrareo gny fidira amigny fazaka mandrakizay ze anigny Toposika vo i Jesosy Kristy pamozy.12Noho izay dra vonona avo zaho hapasiaro andrareo reo raha reo, na dre fatandrareo aza reo, na dre matazaky ao amigny mary aza handrareo amizao. 13Izaho mieriserisy fa rariny aminahy gny mamoha andrareo amigny fapahasiahiva reo raha reo, gny bo eto amy ty tragno-lay tihoky zaho. 14Akory fataso fa sy ho ela dre halako gny tragno-laiko, manahaky ze nasehon'i Jesosy Kristy Toposika anahy. 15Dra hataoko ze farany vitako ba hahasiarovandrareo mandrakariva reo raha reo gny fa lasa zaho.16Fa zahay dra sy nagnoriky angano soa rafisy ze niforogny gny fa nizaka tamindrareo gny mombanigny hery vo gny nisehoan'i Jesosy Kristy Toposika. Fa koa, zahay dra vavolombelo nahita gny fiandrianany. 17Fa izy dra naharay laza amam-boninahisy boak'amin'Agnahary Ray gny fa nisy feo avy teo aminazy tamigny voninahisy lahibe ho: "Tihoky gny zanako malalako, ze sitrako indrindra." 18Nahare anizay feo boak'agny andagnisy zay zahay, gny fa niaraky taminazy tegny atendrombohisy masy.19Isika dra mana ty zaka faminania dra fa fatrasy ory tihoky. Tokony hitandry anizay soa handrareo. Izay dra manahaky gny ziro mazava ao agnatinigny mezy mandra-piavinigny maray vo gny kitanigny maray miboaky ao apondrareo. 20Fataro aloha zao, fa sy misy faminania boak'amigny famoahakevisy gny olo. 21Fa sy misy faminania boak'amigny sitraponigny olo. Fa koa, nitarihinigny Fagnahy Masy ereo ba hizaka ze nizakan'Agnahary.
Chapter 2

1Gny paminany sandoky dra teo amigny olo, dra gny papianasy sandoky avo koa dra ho avy eo amindrareo. Hinday asokosoko sain-diso mamotiky anereo, dra handa gny Topo ze nivily anereo. Ereo dra mitay fahapoteha malaky amin'ereo. 2Maro gny hagnoriky gny fizezozezon'ereo, dra amigny alalanireo gny hizaka rasy gny lalanigny famarigna. 3Amigny fiheregna gny hagnararotany andrareo miaraky amigny zaka mamitaky. Sy ho ela gny fagnameloha an'ereo reo; sy mandry gny fahapotehan'ereo.4Fa Zagnahary sy namindra fo reo azely ze nanota. Fa koa natolony ho amigny vilany tany ereo ba ho voata amigny gadranigny fahamezigna mandra-piavinigny fisara. (Fagnamariha: Gny dika-zaka taloha ilany dra mivaky manahaky anizao: "Ba ho fahe ao amigny lavaky gny fahamezigna mandrapiavinigny fisara.") 5Dra sy nagnenga anizao totolo izao taloha izy. Fa namozy an'i Noah, ze mitory gny fahamarigna, miaraky amigny fito hafa, gny fa ninday gny safo-drano tamigny rasy fagnahy teto amizao totolo izao izy. 6Zagnahary avo koa dra nanao reo tanan'i Sadoma vo gny Gomora ho levogny vo nasiaky anereo ho amigny fahapoteha, hanahaky gny ohasy amizay hitranga amigny rasy fagnahy.7Fa i Lota mary, ze napahory tamigny fitondra-tegnan'ireo olo sy ara-dala tamigny fizezozezoa, dra nivozen'Agnahary. 8Fa izay lelahy mary zay, ze niay niaraky tamin'ereo isan'andro, dra faloranova tamigny fagnahinigny fahamarinany noho ze hitany. 9Fatasy gny Topo gny fomba hamoze reo olo soa fagnahy amireo fisapa, vo gny fomba hitana reo olo sy mary ho amigny famaiza amigny andronigny fisara.10Marina zay ho an'ireo ze manohy amigny fagniria rasinigny nofo vo manao sinosino gny fahefa. Mitopo teny fatrasy ereo. Ereo dra sy matahosy hizaka rasy gny be voninahisy. 11Reo azely dra mana hery vo fahefa lahibe, fa ereo dra sy minday fisara manirasira manohisy anereo amigny Topo.12Fa reo biby sy mana-say reo dra natao ho sambory vo ho potehy. Sy fatas'ereo ze sirasiran'ereo. Ho potiky ereo. 13Hitakasy gny valisoanigny raha rasy nataony ereo. Mieriserisy ereo fa gny sy fiafia mandrisy gny andro dra fahafinareta. Ereo dra be signy. Tian'ereo gny asa famitahan'ereo gny fa mihina miaraky amindrareo. (Fagnamariha: Reo dika zaka ilany dra mivaky manahaky anizao: "Tian' ereo gny asan'ereo gny fa mihina miaraky amindrareo amigny hani-pianakavia.") 14Mola amigny apela mizangazanga ereo; sy afa-po amigny fahota mihisy ereo. Mitariky fagnahy sy mety maty ho amigny fanovandrasy ereo, dra mana fo voaofa amigny fisiririta ereo. Zanaky gny fagnozogna ereo reo!15Niala tamigny lala-maihisy ereo. Dra nagnaraky gny lalan'i Balama zanak'i Beora, ze tia gny tambinigny fahamarina. (Fagnamariha: "Reo dika zaka ilany dra mivaky manahaky anizao: "Balama, zanak'i Bosora.")16Fa nahazo zaka fatrasy izy nohonigny fandikan-dalana manoka. Nisy boriky moa nizaka tamigny feon'olombelo nagnazano gny adalanigny paminany.17Reo olo reo dra manahaky gny lihatao sy misy ora. Manahaky gny raho andesinigny tafio-drivosy ereo. Natoka ho anereo gny mezy matevy. 18Mizaka sy apihevera ereo. Mitao gny olo amigny alalanigny filanigny nofo ereo. Ereo dra mitao gny olo ze miezaky mienga reo ze miay amigny fahadisoa. 19Ereo dra mapanatena fahafaha ho anereo, kanefa izy vatany dra andevonigny fahalotoa. Fa gny olo dra andevon'ize raha maharesy anazy.20Na iza na iza afaky amireo fahalotoan'izao totolo izao amigny alalanigny fahalala gny Topo vo i Jesosy Kristy pamozy, dra boak'eo mihery amireo fahalotoa ndraiky, dra hazary rasy noho gny toe-draha volohany gny toe-draha farany. 21Soa ho anereo gny sy mahafatasy gny lalanigny fahamarigna nohonigny fahafatara anizay dra hivaliky amigny lily masy natolosy anereo. 22Marina ho anereo ty ohabola tihoky ho: "Gny amboa gny mihery amigny naloany. Gny kosoa fa nisasa mihery mihoso-potaky."
Chapter 3

1Amizao, ry malala, manorasy ty taratasy faharo tihoky ho andrareo zaho ho fapahasiahiva andesy hapirisiha gny saindrareo malio, 2ba hahaserovandrareo reo zaka nizakanigny paminany masy taloha vo gny lilinigny Topo vo gny pamozy asika ze namen'ireo apostolindrareo.3Fataro aloha zao, fa gny panirasira dra ho avy amigny andro farany. Ereo dra hagneso vo handeha araky gny filan'ereo manoka. 4Ereo dra hizaka ho: "Eza gny fapanatena gny amigny fiheregnany? Fa hatrizay nolianigny razambe mandry, dra sy niova gny raha aby, eh fa hatramigny fiatombohan'izao totolo izao aza."5Ereo dra minia magnaligno fa gny lagnisy vo gny tany dra nisy boak'amigny rano vo tamigny alalanigny rano, fotoa ela, 6nohonigny lilin'Agnahary, dra tamigny alalan'ireo raha reo, gny nandrava gny totolo tamizay fotoa zay, tamigny tondradrano. 7Fa amizao gny lagnisy vo gny tany dra natoka ho anigny afo amigny alalan'io lily io avo koa. Ereo dra voatoka ho amigny andronigny fisara vo gny fandringana gny olo rasy fagnahy.8Aoky sy ho halignondrareo, ry malala, fa gny andro raiky amigny Topo dra manahaky gny arivo tao, dra gny arivo tao manahaky gny andro raiky. 9Gny Topo dra sy ela amigny fagnatateraha reo fapanatenany, araky ze zakanigny ilany ho fahelany. Fa ko, Izy dra maharisy amindrareo. Sy tiany hisy ho levo handrareo, fa ba ho avy amigny fibebaha gny olon'aby.10Na izay aza, ho avy manahaky gny pangalasy gny andronigny Topo: Gny lagnisy dra hazavo miaraky amigny feo fatrasy. Gny raha aby dra ho amigny afo, dra gny tany vo asa ao aminazy dra hotalily. (Fagnamariha: Reo dika-zaka ilany dra mivaky manahaky anizao: "Gny raha aby dra ho manigny afo, dra gny tany vo gny asa ao aminazy dra horoa.")11Ko gny ho levo manahaky anizay zao raha aby zao, dra tokony ho olo manao akory handrareo? Tokony hiay amigny fahamasinga vo gny fiegna araky an'Agnahary handrareo. 12Tokony haneta vo hagnalaky gny fiavianigny andron'Agnahary handrareo. Amizay andro zay, gny lagnisy aby dra ho levonigny afo, dra gny raha avy dra hiepo amigny hafanam-be. 13Fa araky gny fapanatena, dra mandigny gny lagnisy vaovao vo tany vaovao sika, ze hisy gny fahamarigna.14Noho izay, ry malala, akory magneta anizay raha zay handrareo, manova gny soa boak'amindrareo ba sy hisy pety vo sy hanasigny eo agnatrehany, apiadagna. 15Dra erisereto avo koa gny faharetanigny Toposika amigny famozena, manahaky gny nisoratin'i Paoly rahalahiny malalasika tamindrareo, araky gny fahendre ze name anazy. 16Paoly dra mizaka anizay raha zay ao amigny taratasiny aby, ze misy sorasy takary. Olo sy misy fahalala vo sy miory gny magnova reo raha reo, manahaky gny hanovany reo sorasy masy hafa avo koa, dra mahavy fahalevogna ho anigny vatany.17Noho izay, ry malala, akory fatandrareo zay raha zay, dra tandremo gny vatandrareo ba sy ho voafandriky gny fitakigny olo rasy fagnahy dra ho levo gny fahamarignandrareo. 18Fa mitomboa amigny fahasoava vo gny fahalala gny Toposika vo i Jesosy Kristy Pamozy asika. Ho anazy gny voninahisy amizao dra ho mandrakizay. Amena.

1 John

Chapter 1

1Nanomboky amy fiandohant zay fa renay,ze fa hitanay tamin'ereo masonay,ze fa natianay ,dra ze fa nikasihan'gny tagnany-zay dra momba gny Zaka fiaigna.2Manahaky anizay avo koa ,gny fiaigna dra nampahafatary ,dra fa hitanay zay,dra misanga vavolombelo amin'izay zahay. Zahay dra manambrara amindrareo gny fiaigna mandrakizay,ze tao amin'gny Ray,dra ze fa nampahafatary anay.3Ze fa hitanay vo renay dra ambaranay amindrareo avo koa,ba hanagnandrareo fifandraisa aminay avo koa. Gny fifandraisa misy eo aminay dra amin'gny Ray vo amin'gny Zanany, Jesosy Kristy. 4Manahaky anizay zvo koa, manorasy reo raha reo ho andrareo zahay ba ho tateraky gny fifaliasika . [ Fanamarigna: Reo dika-zaka taloha gn'ilany dra mivaky manahaky izao:''Dra manorasy reo raha reo zahay ba ho tateraky gny fifaliandrareo.'']5Zao gny hafasy ze renay laha taminazy dra ambaranay amindrareo: Zagnahary dra fahazava,dra ao Aminazy dra sy misy hezy mihizy. 6Raha mizaka isika fa mana fifandraisa Aminazy dra mandeha ao agnatin'gny Hezy dra mavandy isika dra sy manao gny mary. 7Kanefa fa raha mandeha ao amin'gny fahazava isika tahaky Anazy ao amin'gny fahazava,dra mana fifandraisa amin'gny kirairaiky aby isika,dra gny lion'i Jesosy Zanany gny magnalio asika amin'gny fahota aby.8Raha mizaka isika fa sy manam-pahota,dra mamitaky gny vatasika isika,dra gny fahamarigna dra sy ao amisika. 9Nefa raha miaiky reo fahotasika isika,Izy dra mahatoky vo mary amin'gny famelana reo fahotasika dra magnalio asika amy sy fahamarigna iaby.10Raha mizaka isika fa sy bo nanota,dra manao Anazy ho mpavandy, dra sy ao amisika gny zakany.
Chapter 2

1Anaka,manorasy anitahoky raha tahoky zaho ba sy hanoratandrareo. Kanefa raha misy manota,dra mana mpisolo vava isika miaraky amin'gny Ray,Jesosy Kristy, gny mary. 2Izy gny fanavota an'ireo fahotasika, dra sy gny asika avo ,fa gny an'izao totolo zao iaby avo koa . 3Amin'izay gny ahafatarasika fa mahafatasy Anazy isika : raha mitandina reo didiny isika.4Gny mizaka ho:''Mahafatasy an'Agnahary zaho'', fa sy mitandry reo didiny , dra mpavandy, dra gny mary dra sy ao aminazy. 5Fa dre iza dre iza mitandry gny zakany, mary tokoa, dra ao amin'izay olo zay gny nagnatateraha gny fitiavan'Agnahary. Amin'izay gny ahafatarasika fa ao aminazy isika. 6Gny raiky ze mizaka fa mitoesy ao amin'Agnahary dra tokony andeha avo koa izy tahaky gny nandehanan'i Jesosy Kristy.7Ry malala, sy manorasy didy vaovao ho andrareo zaho, fa didy taloha ze fa nanagnadrareo hatramin'gny fiandohany. Gny didy taliha dra gny zaka ze renandrareo. 8Fa manorasy didy vaovao ho andrareo zaho, ze mary ao amin'i Kristy vo ao amindrareo, satria gny hezy dra mandalo , fa gny fahazava mary dra fa mamirasy .9Gny raiky ze mizaka fa ao amin'gny mazava izy dra malaiky gny rahalahiny dra ao agnaty hezy hatramin'izao. 10Gny raiky ze mitia gny rahalahiny dra mitoesy ao amin'gny mazava dra sy hisy fotoa hanafitihina anazy . 11Fa gny raiky ze malaiky gny rahalahiny ao amin'gny fahalotoa dra mandeha ao amy mezy; izy dra sy mahafatasy ze andehanany ,satria gny hezy dra fa nahapoaky gny masony.12Manorasy ho andrareo zaho,ry zanaka malala , satria reo fahotandrareo dra voavela noho gny agnarany. 13manorasy ho andrareo zaho ,ry ray,satria fatasindrareo gny raiky laha tamin'gny fiandohana. Manorasy ho andrareo zaho,ry zatovo, satria niresahindrareo gny rasy. Fa nanorasy ho andrareo zaho, ry zaza maliniky , satria andrareo dra mahafatasy gny Ray. 14Fa nanorasy ho andrareo zaho, ry ray, satria fatasindrareo ho avy amin'gny fiandohany . Fa nanorasy ho andrareo zaho, ry zatovo, satria fatrasy andrareo, dra gny zakan'Agnahary dra mitoesy ao amindrareo, dra andrareo dra fa nandresy gny rasy.15Ka mitia na ani'izao totolo zao na reo raha eo aminazy. Raha misy mitia ani'izao totolo zao,dra sy ao aminazy gny fitiavan'gny Ray. 16Fa gny raha aby ze ao amin'izao totolo zao dra gny filan'gny nofo, gny filan'gny maso,dra gny fieboebon'gny fiagna-ze sy avy amin'gny Ray fa avy amin'izao totplo zao. 17zao totolo zao vo gny fagniriany dra mandalo. Fa dre iza dre iza manao gny sitrapon'Agnahary dra hitoesy mandrakizay.18Ry mota, itiho lera farany. Manahaky gny fa rendrareo fa ho avy gny atikristy, amizao maro reo atikristy ze fa avy. Amin'izay gny ahafatarasika fa itiho gny lera farany. 19Niala tamisika ereo, kanefa sy laha tamisika. Fa raha tamisika ereo dra nitoesy niaraky tamisika. Fa gny niala ereo,dra nampiboaky fa sy tamisika.20Fa mana fanosora laha tamy Raiky Masy andrareo, dra fatasindrareo aby gny mary. { Fanamariha: Misy dika-zaka hafa gn'ilany vaovao ze mivaky ho:''mana gny fahalala aby andrareo.''Gny dika-zaka gn'ilany taloha dra mivaky ho:''dra fatasindrareo gny raha aby.''] 21Sy nanorasy ho andrareo zaho satria andrareo dra sy mahay gny mary, fa satria fatasindrareo zay dra sy misy vandy laha tamy mary.22Iza gny mpavandy fa sy gny raiky ze manda fa i Jesosy gny Kristy? Zay olo zay dra gny atikristy, gny fa manda gny Ra vo gny Zanaky izy. 23Sy misy olo ze manda gny Zanaky dra hana gny Ra. Dre iza dre iza maneky gny Zanaky avo koa dra mana gny Ray.24Fa ho andrareo , ao ze rendrareo hatramin'gny fiandohana hitoesy ao amindrareo. Raha ze rendrareo hatramin'gny fiandoha gny mitoesy ao amindrareo, dra hitoesy ao amy Zanaky vo ao amin'gny Ray avo koa andrareo. 25Zay gny fampanatena nomeny asika : dra gny fiaigna mandrakizay. 26Fa nanorasy anizay raha zay ho andrareo zaho momban'ereo ze hinday andrareo amin'gny lala-diso.27Fa ho andrareo, gny hososy ze nirambesindrareo laha taminazy dra hitoesy ao amindrareo, dra andrareo dra sy mila olo mampianasy andrareo. Fa manahaky ze nampianarign'ny fagnosora andrareo gny raha aby dra mary dra sy vandy,dra manahaky ze fa nampianarin'izay andrareo, dra mitoera ao Aminazy. 28Amizao,ry zanaky malala Izy,dra hana fahasahia isika dra sy ho megnasy eo anatrehany amin'gny fiaviany. 29Raha fatasindrareo fa izy gny mary, fatasindrareo fa ze manao gny maty dra teraky taminazy aby.
Chapter 3

1Indro tahaky gny ino gny fitiava nomen'gny Ray asika,ba hitokava asika ho Zanak'Agnahary, dra zay isika. Noho zay atony zay, zao totolo zao dra sy mahafatsy asika, satria sy mahafatasy anazy zay. [ Fanamariha : gny dika-zaka taloha dra sy magnisy ho:''Dra izay isika.''] 2Ry malala, zanak'Agnahary isika amizao, dra zay dra bo sy nambara ho hanahaky gny ino isika . Isika dra mahafatasy fa gny miseho i Kristy,dra ho tahaky Anazy isika, satria hahita Anazy manahaky Anazy isika. 3Gny ze mana anizay fahatokisa momba gny ho avy mifotosy aminazy zay dra magnalio gny vatany ba halio tahaky Anazy.4Zay manota iaby dra manao ze sy ara-dalana; fa gny fahota dra sy ara-dalana. 5Andrareo dra mahafatasy fa i Kristy dra nambara ba hangalaky reo fahota, dra ao aminazy dra sy misy fahota. 6Sy misy olo ze mitoesy ao aminazy dra bo manota nahita anazy dre nahafatasy anazy.7Ry zanaky malala, ka anga hisy olo hamitaky andrareo, gny raiky ze manao gny fahamarigna dra mary,tahaky gny mahamarigna an'i Kristy. 8Gny raiky ze manota dra laha tamin'gny devoly,fa gny devoly dra nanota hatragny am-bolohany. Noho zay atony zay gny Zanak'Agnahary dra naseho, ba hahafahany mandrava reo asan'gny devoly.9Dre iza dre iza naterak'Agnahary dra sy hanohy gny fahota satria gny tegnany laha tamin'Agnahary dra mitoesy ao aminazy. Sy afaky manohy gny fahota izy satria naterak 'Agnahary. 10Ao amin'izay gny hampiboahany reo zanak'Agnahary vo reo zanaky gny devoly. Dre iza dre iza sy manao gny mary dra sy laha tamin'Agnahary; dre gny raiky ze sy tia gny rahalahiny avo koa .11Fa zay gny hafasy ze fa rendrareo hatragny am-piboahany: fa isika dra tokony mifakatia, 12fa sy manahaky an'i Kaina, ze laha tamin'gny rasy vo namono gny rahalahiny. Fa nanao akory izy gny namono anazy? Satria reo asany dra rasy , dra gny agny rahalahiny dra mary.13Ka gaga,ry rahalahiko,raha malaiky andrareo gny tany. 14Fatasika fa niala tamin'gny fahafatesa magnagny ami fiaigna isika satria tia an'ereo rahalahiny isika. Zay sy tia dra mitoesy agny amy fahafatesa. 15Ze malaiky gny rahalahiny dra mpamono olo. Fatasindrareo fa sy misy mpamono olo mana fiaigna mandrakizay mitoesy ao aminazy.16Amin'izay gny hahafatarasika gny fitiava, satria Kristy nanolosy gny ainy hi asika. Isika avo koa dra tokony manolosy gny aisika ho an'ireo rahalahy.17Fa dre iza dre iza mana gny hanagnan'izao totolo zao zao, dra mahita gny fahasahiragnan'gny rahalahiny, dra mandrindry gny fony fangorahany anazy, amin'gny fomba manao akory gny hipetraran'gny fitiavan'Agnahary ao aminazy? 18Ry zanako malalako, ao isika sy hitia amin'gny zaka dre koa amy vava, fa amin'gny asa vo fahamarigna.19Avy amin'izay gny hahafatarasika fa avy amin'gny fahamarina isika, dra mampatoky gny fosika eo anatrehany isika. 20Fa raha magnahy asika gny fosika, Zagnahary dra lahibe noho gny fosika,dra mahafatasy gny raha-iaby Izy. 21Ry malala, raha sy magnahy asika gny fosika, dra mana fahatokisa amin'Agnahary isika. 22Dre ino dre ino angatahisika dra ho azosika laha taminazy, satria isika mitandry reo didiny vo manao ze tiany eo anatrehany.23Zao gny didiny: tokony mino gny agnaran'gny Zanany Jesosy Kristy dra mifakatia isika, tahaky gny fa nagnomezany asika ze didy zay. 24Gny raiky ze mita reo didin'Agnahary dra mitoesy ao aminazy, dra Zagnahary mitoesy ao aminazy. Amin'izay gny hahafatarasika fa izy dra mitoera ao amisika, amin'gny Fagnahy ze nomeny asika.
Chapter 4

1Ry Malala, ka mino gny fanahy aby. Fa dra, misapa reo fagnahy ba hahita fa laha tamin'Agnahary ereo, Satria mpaminany sandoky maro gny fa niala tamin'izao totolo zao. 2Amin'izay gny ahafatarandrareo gny Fanahin'Agnahary-gny fanahy iaby ze maneky f ai Jesosy Kristy ze avy nofo dra laha tamin'Agnahary, 3dra gny fanahy aby ze sy maneky fa Jesosy dra sy laha tamin'Agnahary. Dra zay gny fanahin'gny atikristy, zay fa rendrareo fa ho avy, dra amizao gny fa eto an-tany. [ Fanamariha :misy dika-zaka taloha gn'ilany dra mivaky ho:''Dra gny fanahy aby ze sy maneky fa i Jesosy avy nofo dra sy avy amin'Agnahary. Zay dra fanahin'gny atikristy,ze fa rendrareo fa ho avy , dra amizao dra fa eto an-tany .]4Andrareo dra laha tamin'Agnahary, ry zanaka malala, dra fa nandresy anazy reo, satria gny raiky ze ao amindrareo dra lahibe mihoasy noho gny raiky ze eto amizao totolo zao. 5Ereo dra laha tamin'izao totolo zao; noho zay ze zakan'ereo dra avy amizao totolo zao, dra zao totolo zao dra miteno an'ereo. 6Laha tamin'Agnahary isika. Ze mahafatasy gny Topo dra mahare asika. Izy zay sy avy amin'Agnahary dra sy mahare asika. Amin'izay gny ahafatarasika gny fanahin'gny fahamarina vo gny fanahin'gny fahadisoa.7Ry malala, ao isika hifakatia, fa gny fitiava dra laha tamin'Agnahary, dra zay aby mitia dra nanterak'Agnahary vo mahafatasy an'Agnahary. 8Gny olo ze sy mitia dra sy mahafatasy an'Agnahary, satria Zagnahary dra fitiava.9Noho zay gny fitiavan'Agnahary dra nambara tamisika , fa Zagnahary dra nandefa gny Zanany lahitoka ho an'izao totolo zao ba ho velo noho Izy isika. 10Ao amin'izay fitiava zay , sy gny nitiavasika an'Agnahary, fa gny nitiavany asika, dra gny nandefasany gny Zanany lahy ho fagnavota reo fahotasika.11Ry malala,raha tia loasy asika Zagnahary , dra tokony hifakatia avo koa isika. 12Sy bo nisy nahita an'Agnahary mipetraky ao amisika Zagnahary dra gny fitiavany dra tateraky ao amisika. 13Amin'izay gny ahafatarasika fa mipetraky ao aminazy isika dra izy ao amisika, satria izy dra nagnome asika gn'ilany amin'gny Fanahiny. 14Dra fa nahita isika vo fa misanga vavolombelo fa gny Ray dra fa nandefa gny Zanadahiny ho Mpamozy an'izao totolo zao.15Dre iza dre iza maneky fa Jesosy dra Zanadahin'Agnahary, dra mipetraky ao aminazy Zagnahary dra izy ao amin'Agnahary. 16Isika avo koa dra nahafatasy dra nino gny fitiava ze fa nanagnan'Agnahary ho asika. Zagnahary dra fitiava,dra gny raiky dra mipetraky ao amin'Agnahary,dra Zagnahary dra mipetraky ao aminazy.17Noho zay,fitiava zay dra nitaterahy tamisika , ba hanagnasika fahatokisa amin'gny andron'gny fisara, satria manahaky anazy, dra manahaky anizay avo koa isika eto amin'itiho tany itiho. 18Sy misy tahosy ao amin;gny fitiava. Fa dra, gny fitiava tateraky dra mangalaky gny tahosy, satria gny tahosy dra sy maisy miaraky amin'gny sazy. Fa gny raiky ze matahosy dra sy natao ho tateraky ao amin'gny fitiava.19Mitia isika satria Zagnahary nitia asika volohany. 20Raha misy olo mizaka ho:''Tiako Zagnahary'' nefa malaiky gny rahalahiny , dra mpavandy izy. Fa gny raiky zesy mitia gny rahlahiny, ze hitany, dra sy afaky gny hitia an 'Agnahary,ze sy hitany. 21Dra, zay avo koa gny didy ze anagnasika laha taminazy: Dre iza dre iza mitia an'Agnahary dra sy maisy mitia gny rahalahiny avo koa.
Chapter 5

1Dre iza dre iza mino fa i Jesosy gny Kristy dra naterak'Agnahary, dre iza dre iza tia gny Ray avo koa dra tia gny Zanaky naterany. 2Noho zay gny ahafatarasika fa tiasika reo Zanak'Agnahary: gny fa tia an'Agnahary vo manatateraky reo didiny isika . 3Satria zay gny fitiava ho an'Agnahary: dra gny hanataterahasika gny didiny . Dra reo didiny dra sy mavesasy.4Fa gny olo aby ze naterak 'Agnahary dra mandresy an'izao totolo zao. Dra zay dra fandrese ze fa nandresy an'izao totolo zao: gny finoasika . 5Iza gny raiky ze mandresy an'izao totolo zao? Gny raiky ze mino fa i Jesosy dra Zanak'Agnahary.6Zay dra gny raiky avy tamin'gny rano vo lio: Jesosy Kristy . Izy dra avy sy tamin'gny rano avo,fa tamin'gny rano vo lio. 7Fa misy telo ze misanga vavolombelo:8gny fanahy , gny rano, dra gny lio. Reo telo reo dra mifagnaraky . [Fanamariha : Gny diza-zaka taloha gn'ilany ze misanga manahaky anizao:''Fa misy telo ze misanga vavolombelo agny an-dagnisy: gny Ray, vo gny Zaka,dra gny Fanahy Masy;dra reo telo reo dra raiky. Dra misy telo ze misanga vavolombelo eto agn'abonin'gny tany :gny Fanahy, gny rano, dra gny lio; dra telo reo dra manahaky gny raiky.''Dre zay avo,dre dika-zaka soa indrindra dra sy mivaky manahaky anizay.]9Raha mandray gny fisangana vavolombelon'olo isika, dra ho lahibe tokoa gny fisangana vavolombelon'Agnahary. Fa gny fisangana vavolombelon'Agnahary dra zao: izy dra misanga vavolombelo mahakasiky gny Zanany. 10Dre iza dre iza mino gny Zanak'Agnahary dra mana fisanga vavolombelo ao aminazy vatany.Zay sy mino an'Agnahary dra manao Anazy ho mpavandy, satria izy dra sy mino gny fisanga vavolombelo ze fa nimen'Agnahary mahakasika gny Zanany.11Dra gny fisangana vavolombelo dra zao: Zagnahary dra nagnome asika fiaigna mandrakizay, dra zay fiaigna zay dra ao amin'gny Zanany. 12Gny raiky ze mana gny Zanaky dra mana gny fiaigna . Gny olo ze sy mana gny Zanak'Agnahary dra sy mana fiaigna.13Fa nanorasy tahoky raha tahoky ho andrareo zaho ba hahafatarandrareo fa mana gny fiaigna mandrakizay andrareo ho andrareo ze mino gny agnaran'gny Zanak'Agnahary. 14Manahaky anizay avo koa, izao gny fifaneke ze anagnasika eo anatrehany, fa dre ino dre ino angatahisika araky gny strapony, dra mahare asika Izy. 15Manahaky anizay avo koa , raha fatasika fa mahare asika Izy-dre ino dre ino angatahisika Aminazy dra fatasika fa azosika zay nangatahisika taminazy iaby.16Raha misy olo raiky mahita gny rahalahiny manao fahota ze sy miteraky fahafatesa , sy maisy mahavy fahafatesa , sy maisy mivavaky izy, dra Zagnahary dra hagnome fiaigna ho anazy. Zaho dra mampitaha reo ze mana fahota sy mahavy fahafatesa. Misy fahota ze mahay fahafatesa; sy mizaka zaho ho tokony hivavaky amin'izay izy. 17Gny sy fahamarigna dra fahota iaby, nefa misy fahota sy mahavy fahafatesa.18Fatasika fa dre iza dre iza naterak 'Agnahary dra sy manota. Nefa gny raiky ze naterak'Agnahary dra miaro gny vatany, dra gny rasy dra sy afaky gny ahakasiky anazy. 19Fatasika fa avy amin'Agnahary isika,dra zao totolo zao dra mipetraky ao amin'gny rasy.20Kanefa fatasika fa gny Zanak'Agnahary dra fa avy dra fa nagnome asika fahazava-say ba ahafatarasika gny raiky ze tena mary. Manahaky anizay avo koa,isika dra ao amy raiky ze mary, ao amin'i Jesosy kristy Zanany. Izy gny Zagnahary mary dra fiaigna mandrakizay. 21Anaka, arovy amin'ireo sapy gny vatandrareo.

2 John

Chapter 1

1Laha tamin'gny loholo dra hatrany amin'gny ampela voafily vo reo zanany, ze tiako amin'gny fahamarigna-dra sy zaho avo, fa reo aby ze nahafatasy gny mary avo koa-2nohon'gny fahamarina ze mipetraky ao agnatisika dra hiaraky amisika mandrakizay. 3Ho amisika seky gny fahasoava, gny famindram-po, gny fiadana laha tamin'Agnahary Ray vo laha tamin'i Jesosy Kristy , Znaky gny Ray, amin'gny fahamarina vo fitiava.4Faly be zaho satria nahita gn'ilany amin'ireo zanakao mandeha amin'gny fahamarigna, manahaky gny nandresasika anizay didy zay laha tamin'gny Ray. 5Dra mangataky aminao zaho, rapela-sy hanahaky gny manorasy didy vaovao aminao zaho, fa ze nanagnasika hatramin'gny volohany-dra gny tokony hifakatiavasika samy isika. 6Zao gny fitiava , dra gny ba handehanasika araky reo didiny. Zao gny didy, araky gny rendrareo hatramy volohany, dra gny tokony handehandrareo amin'izay.7Fa maro reo mpamitaky fa lasa agny amin'izao totolo zao,dra ereo dra sy maneky fa Jesosy kristy dra avy tamy nofo. Zay gny mpamitaky vo atikristy. 8Hatio gny vatandrareo, ba sy hahalevo reo raha ze fa vitasika aby, fa handraisandrareo valim-pitia feno.9DRe iza dre iza mandeha eo aloha dra sy mipetraky ao amin'gny fampianaran'i Kristy dra sy mana an'Agnahary. Gny raiky ze mipetraky ao amin'gny fampianara, ze raiky zay dra mana gny Ray vo gny Zanaky. 10Raha misy olo avy eo aminao dra sy minday anizay fampianara zay,dra ka mandray anazy ho ao an-tragnonao dra ka miarahaba anazy. 11Fa ze miarahaba anazy dra miombo amy rasy ataony.12Mana raha maro ho sorata amindrareo zaho, nefa zaho sy magniry hanorasy anizay amy taratasy vo ranomety. Dre zay avo, manatena gny ho avy agny amindrareo zaho dra fifaliandrareo. 13Manao veloma anao reo zanaky gny rahavavinao voafily.

3 John

Chapter 1

1Zaho loholo mamangy an'i Galo malala, gny tiako amin'gny fahamarigna. 2Ry malala, mivavaky zaho ba hambininy amy raha iaby anao dra ho salama, manahaky gny hanambina gny fanahinao. 3Fa nifaly be zaho tamy nisy rahalahy avy dra nisanga vavolombelo tamin'gny fahamarinanao. tahaky gny andehananao amy mary. 4Sy mana hafalia be noho itiho zaho, dra gny mahare fa mandeha amin'gny fahamarina reo zanako.5Ry malala, manao asa mahatoky anao amy ino na ino asa ataonao ho an'ereo rahalahy vo reo vahiny,6ze nisanga vavolombelo gny fitiavanao teo anatrehan'gny fiangona. Soa gny ataonao raha alefanao mandeha amin'gny fomba mendriky an'Agnahary ereo, 7satria noho gny agnara gny nialany, sy ninday dre ino dre ino aby laha tamin'ereo zetilisa. 8Noho zay isika dra ho mpiara-miasa amy fahamarina isika.9Nanorasy raha tamin'gny fiangona zaho, kanefa diotrefa, gny te-ho lohany amin'ereo,dra sy nandray anay. 10Noho zay,raha avy zaho,dra ho saroako reo asa ze nataony, gny fomba nizakany raha mahasosotry manohisy anay miaraky amin'gny zaka rasy. sy afa-po tamin'ereo asa,dra sy nandramby reo rahalahy izy. Nandrara anereo ze te-hanao manahaky anizay izy dra nandroaky anazy reo hiboaky gny fiangona.11Ry malala, ka mangalatahaky ze rasy fa ze soa. Gny raiky ze manao gny soa dra an'Agnahary; gny raiky ze manao gny rasy dra sy nahita an'Agnahary. 12Gny sy fahamarina aby dra vavolombelo magnambara an'i Demetrio. Zahay avo koa dra misanga vavolombelo ,dra fatasinao fa mary gny fanambaranay.13Nana raha maro ho soraty amindrareo zaho, fa sy magniry hanorasy reo amindrareo ami'gny peny vo ranomety zaho. 14kanefa zaho manatena hahita andrareo sy ho ela, dra hiresaky mivata isika. 15Ho amindrareo seky gny fiadana . Manao veloma anao reo sakaiza atiho. Veloma agny amin'ireo sakaiza kirairaiky araky gny agnarany aby.

Jude

Chapter 1

1Joda, panopon'i Jesosy Kristy raiky, rahalahin'i Jakoba, ho anireo ze atao ho, malala ao amin' Andriamanitra gny Ray, Vo voatahiry ho an'i Jesosy Kristy: 2Hapitombo ho amindrareo anie gny famindra-po vo gny fedagna dra gny fitiava.3Ry malala, Raha gny nanao ezaky aby hanorasy ho andrareo gny mahakasiky gny famozena asika igny zaho, dra nanorasy ho andrareo zaho, dra nanorasy ho andrareo zaho ba handrozy andrareo hialy fatrasy ho anigny finoa ze fa natolosy indray mandeha ho anireo pino. 4Fa ho anigny olo ilany nizezy asokosoka eo amindrareo. Reo dra olo voamariky ho anigny fagnameloha. Reo dra olo rasy fagnahy zay manevateva gny fahasoavan'Agnahaey ho agny amigny fizezozezoa, vo dra manda gny andriana vo gny Topo tokasika, Jesosy Kristy.5Amizao zaho dra te hapahasiaro andrareo_na dre fa fatandrareo tateraky aza zay_ fa gny Topo dra nagnavosy gny olo boak'ao amigny tany Egypta, fa tafaranizay dra naringany ze sy nino aby. 6Dra reo azely sy nita gny fahefany ze napetraky tamin'iereo, Fa ze nandoa gny fonegnan'ireo _ Zagnahary dra namehy anereo tamigny fehy mandrakizay, ao amigny mezikitroky tateraky, ho amigny andronigny fisara lahibe.7Manahaky an'i Sodoma vo Gomora vo reo tana magnodidy anereo, ze nanolosy gny vatan'ereo ho amigny fizangazanga vo gny fanova filana sy ara-boazagnahary. Dra natao ohasy amireo ze mizaly amigny fagnasazia agny amigny afo mandrakizay ereo. 8Kanefa manahaky anizay avo koa, reo panofinofy reo dra mandoto avo koa gny vatan;ereo, dra mizaka raha rasy manohisy reo manam-boninahisy.9Fa na dre Mikaela arikazely aza, gny fa nialy tamigny devoly vo nifandisy taminazy gny amigny fatin'i Mosesy, dra sy nahavany nizaka rasy hasiaky anazy. Fa hoy koa izy: "Hagnasy anao anie gny Topo!" 10Fa reo olo reo dra mizaka rasy gny raha rasy sy fatany aby. Dra ze fatany_manahaky gny fahafataranigny biby sy mana-say_izay gny manola anereo. 11Loza ho anereo! Fa raha nandeha tao amigny tananan'i Kaina ereo, dra nagnaraky gny fahadisoan'i Balama hahazoa tambiny. Dra naringa tao amigny fikomian'i Kora ereo.12Reo dra gny olo ze harambato mivony ao amigny sakafo-pitiavandrareo. Mihina a-pahamegnara, mamisy gny vatan'ereo avo. Ereo dra raho sy misy tegnany_ indro maty, niala fakany. 13Ereo dra ozan-dranomasy mahery mitopatopa mamorivory gny fahamegnaran'ereo. Kitana mirenireny ereo, dra voatahiry ho anazy mandrakizay gny fahametisanigny mezy.14DRa Enoka, gny faha fitin'i Adama, dra fa naminany momba anireo, nizaka ho: "Indro! Ho avy gny Topo miaraky amireo masiny amy harivariva. 15Ho avy Izy ba hagnatateraky gny fisara gny olon' aby. Ho avy izy hapiaiky gny olo rasy fagnahy aby tamigny asa vitany tamigny harasia-pagnahy, dra reo zaka fatrasy aby ze nizakanigny olo rasy fagnahy hanohisy anazy." 16Reo dra pimonomono, vo pimenimeny, ze magnaraky gny filan-drasin'ereo. Ereo dra pieboebo fatrasy, zay, nohonigny tombosoan'ereo manoka, dra mandoka gny hafa.17Fa handrareo, ry malala, tadidio reo zaka ze nizakan'ireo apostolin'i Jesosy Kristy Toposika faela. 18Hoy ereo tamindrareo: "Fa amigny andro farany dra hisy panirasira ze hagnaraky gny filanigny harasia-pagnahy." 19Reo olo reo dra mitariky fisaraha. Izy reo dra olo araky gny nofo, dra sy mana gny Fagnahy.20Fa handrareo, ry malala, mioregna soa eo amigny finoandrareo masy indrindra, dra mivavaha amigny fagnahy Masy. 21Mitoera handrareo ao amigny fitiavan'Agnahary, dra ligniso gny famindra-pon'i Jesosy Kristy Toposika ze minday anao ho amigny fiegna mandrakizay.22Mamindra fo amindrareo ze misalasala. 23Vozeo dra tariho hiala amigny afo gny olo ilany. Dra gny ilany ndraiky amindrao fo amitahosy. Malaiky na dre hatramigny akazo nilotonigny nofo aza.24Dra ho an'izay miaro andrareo ba sy ho tafitohy, dra hahavy anao hozoro eo agnatrehanigny voninahiny, sy misy signy dra apifalia lahibe, 25amin'agnahary toka pamozisika tamigny alalan'i Jesosy Kristy Toposika anie, gny voninahiny, gny fahalahibeny, gny fahefany, gny hery, talohanigny fota aby, amizao, dra zisiky mandrakizay. Amen.

Revelation

Chapter 1

1Itihoky gny talilin'i Jesosy Kristy ze nomen'Agnahary anazy hanehoany anireo panopony gny raha sy maisy hitranga. Napahafatariny izay tamigny alalanigny fandefasany gny azeliny ho an'i Jaona panopony.2I Jaona dra magnamary gny mombanigny zakan'Agnahary vo reo fizoroa vavolombelo mahakasiky an'i Jesosy Kristy, vo gny raha hitany aby. 3Sambasy izy ze mamaky amigny feo fatrasy, vo ze miteno gny zakan'izay faminania zay, vo ze mitandry ze voasorasy ao aminazy, akory fa mariny gny fotoa.4I Jaona nagna amireo fengona fito tagny Asia: Ho amindrareo anie gny fahasoava vo gny fedagna avy amizao, gny taloha, vo gny hoavy, vo avy amireo fagnahy fito ze eo agnatrehan'gny seza fiandriana, 5dra boaky amin'i Jesosy Kristy, vavolombelo mary, lahitoka amigny maty, dra lahibenigny pazakanigny tany. Ho anigny tia asika gny nagnafaky asika tamin' ereo fahotasika tamigny rany__6Izy dra nanao asika ho fazaka, pisoro ho an'Agnahary vo gny Rany ___ ho anazy avo anie gny voninahisy vo gny fahefa mandrakizay doria. Amena7Indro, boaky amigny raho izy; dra gny maso aby hahita anazy, na dre reo nandefo anazy aza. Gny firenena aby amboninigny tany hitomagny Anazy. Eny, Amena. 8"Izaho gny Alfa vo i Omega," hoy gny Tompo Zagnahary, "gny amizao, vo gny taloha, dra gny ho avy, dra gny sitoha." (Fagnamariha: gny dika-zaka hafa taloha dra mivaky manao anizahoky ho: "Izaho gn'I Alfa vo I Omega, gny fiandoha vo fiafara," hoy gny Tompo Zagnahary.9Izaho,I Jaona ___ rahalahindrareo vo gny raiky ze nizara tamindrareo tao agnatinigny fizalia vo fazaka dra gny fahareta ao amin'i Jesosy Kristy __ dra tao amigny nosy atao ho i Patmo noho gny zakan'Agnahary vo gny fizoroa vavolombelo gny mahakasiky an'i Jesosy. 10Izaho dra nitarihinigny fagnahy tamigny andron'gny Topo. Nahare feo mahery manahaky gny trompetra tafarako ao zaho. 11Nanao anizahoky ho: " sorato ao amigny boky ze hitanao, ko alefaso agny amireo fengona fito __ ho anigny Efesosy, Smyrna, Pergamosy, Tyatira, Sardisy, Filadelfia, dra Loadikia."12Nagnety gny magnodidy zaho nitalia ho feon'iza nizaka taminahy zay, dra gny fa nitoliky zaho dra nahita fanova-ziro volamena fito. 13Dra teo agnevonigny fanova-ziro nisy raiky manahaky gny zanak'olo, nekazo lava zisiky amigny tombony, dra fehi-troky volamena magnodidy gny tratrany.14Gny lohana vo gny volony dra fosy manahaky gny volon'agnondry __ fosy manahaky gny lelan-afo. 15Gny tombony mangira manahaky gny varahy, manahaky gny varahy voalio teo amigny laforo, dra gny feony manahaky gny feona rano be mikoria. 16Dra nana kita fito tegny an-tagnany ankavana Izy, dra sabasy ro lela maragnisy niboaky boak'ao amigny vavany. Gny tarehiny dra nazava manahaky gny masoandro gny fa miredareda.17Gny fa nahita anazy zaho, dra nendavo teo amigny tombony manahaky gny olo maty. Nanendry anahy tamigny tagnany akavana izy dra nanao anizahoky ho: "Ka matahosy. Izaho gny volohany sy farany, 18dra gny raiky ze velo. Fa maty zaho, fa indro, velo mandrakizay! Dra Izaho mana gny fagnalahinigny vo gny fiaigna-sy hita.19Noho izay serato ze hitanao, ze amizao, vo ze hitranga afaran'izao. 20Manahaky gny raha mivony mahakasiky reo kita fito ze hitanao tegny an-tagna-kavanako, vo gny fanova ziro volamena fito: "gny kita fito dra reo azelinigny fengona fito, dra gny fanova ziro fito dra reo fengona fito."
Chapter 2

1Sarosy ho anigny azelinigny fengona ao Efesosy ho: "Tahoky gny zaka boaky amigny raiky ze mita gny kita fito amigny tagna-kavana dra mandeha eo amireo fanova-ziro volamena fito, 2"Fataso ze fa vitanao vo gny asa fatrasy ataonao vo gny fiaretanao maharisy. Fataso fa sy afaky handefisy amigny olon-drasy hanao. Fataso fa nisapanao reo ze mizaka anereo ho apostoly, nefa sy izy, dra hitanao ereo fa sandoky.3Fataso fa mana fahareta hanao, dra nizaly nohonigny amigny agnarako, dra sy nilavo lefo hanao. 4Nefa nanohisy anao zaho akory nagnenga gny fitiavako volohany hanao. 5Sarovy noho izay gny toera ze nahalavo anao. Mibebaha vo Manova gny raha ze nataony volohany. Fa raha sy mibebaky hanao, dra ho avy aminao agny zaho dra hangalaky reo fava-zironao amigny fitoerany.6Kanefa izao gny ataonao: "Halanao gny raha vitanigny Nikolaita, dra halako avo koa. 7Aoka ze mana sofy hiteno ze zakanigny Fagnahy ho anireo fengona. Ho anigny raiky ze maharesy dra hameko alala hihina amigny hazonigny fiegna, ze ao amigny paradisan'Agnahary.""'8Sorato ho anigny azelinigny fengona Smyrna agny ho: "Tahoky gny zakanigny raiky volohany vo gny farany, gny raiky ze fa maty nefa velo ndraiky: "Fataso reo fahorianao vo gny fahatranao, nefa mana-draha hanao. Fataso gny fizakan-drasy ho anireo ze mizaka gny vatany fa Jiosy, kanefa sy izy. Synagogan'i Satana ereo.10Ka matahosy gny amize fa hiaretanao. Ingo! Gny devoly dra hagnary gny ilany amindrareo agny amigny tragnomezy ba ho sapa handrareo, dra hizaly mandrisy gny folo andro handrareo. Matokia mandra-pahafaty, dra hameko andrareo gny satro-boninahisy gny fiegna. 11Ze mana-sofy aoky izy hiteno ze zakanigny fagnahy ho an'ireo fengona. Gny raiky ze maharesy dra sy ho solanigny fahafatesa faharo.""'12Sarosy ho anigny azelinigny fengona agny Pergamosy ho: "Tahoky gny zakanigny raiky ze mana sabasy ro lela: 13"Fataso ze onegnanao, dra ao aminazy gny hitnoeranigny seza fiandrianan'i Satana. Dra amizao mita fatrasy gny agnarako hanao. Fataso fa sy nanda gny finoanao gny aminahy hanao, na dre tamireo andron'i Antipasy vavolombeloko aza, ze natoky anahy, ze nivono teo amindrareo, tao amigny fonegnan'i Satana.14Fa mana-zaka aminao zaho: "Misy ilany amindrareo mita fatrasy gny fapenaranigny Balama, ze napianasy an'i Balaka hametraky fanafitohigna eo anoloanigny zanak'Israely, ba hihinanan'ereo gny hany natao soro ho anigny sapy dra ho fizangazanga. 15Manahaky anizay avo koa, misy ilany amindrareo ze mita fatrasy gny fapenaran'ireo Nikolaita.16Mibebaha, noho izay! fa raha sy izay, dra ho avy malaky agny amindrareo zaho, dra hifanandry amin'ereo zaho miaraky amigny sabasy gny vavako. 17Aoky ze mana-sofy hiteno ze zakanigny fagnahy ho anireo fengona. Ho anireo ze maharesy, hameko gny ilany amireo mana mivony, dra hameko vato fosy miaraky amigny agnaram- baovao voasorasy eo amigny vato, agnara ze sy fatas'olo afa-sy ze nitakasy ze mitakasy anazy avo.""'18Soraty ho anigny azelinigny fengona ao Tyatira ho: 'Tahoky gny zakan'Agnahary, ze mana maso manahaky gny lelan'afo dra tomboky manahaky gny varahy mangira: 19"Fataso ze vitanao: Gny fitiavanao vo gny faharetanao. Fataso fa ze vitanao farany dra maro noho ze vitanao volohany.20Kanefa izao gny hanoherako anao: Leferinao gny apela zezebela, ze manao gny vatany ho paminany apela. Amigny alalanigny fapenarany dra mamitaky reo panopoko izy ba hizangazanga vo hihina hany boaky amigny soro boaky amigny sapy. 21Nagnome fotoa ba hibebahany zaho, kanefa sy mety hibebaky gny amigny fizangazangany izy.22Ingo! Hataoko marary eo apandria izy, dra reo ze mizangazanga miaraky aminazy dra hapahoriko fatrasy, raha sy mibebaky amigny asa rasinigny apela ereo. 23Ho vonoko ho maty reo zanany, dra reo fengonan-aby dra hahay fa Izaho gny mahita gny fierisereta vo fiheseha-po. Hameko araky gny asandrareo aby handrareo siraindraiky.24Fa gny amindrareo ze sisa ao Tyatira, ze sy mita anizao fapenara zao aby, vo sy mahay ze tokavinigny ilany ho sain-dalik'i Satana __ Izao gny zakako amindrareo ho: "Sy vesariko eta hafa handrareo." 25Na izay aza, sy maisy mita fatrasy gny finoandrareo handrareo mandra-piaviko.26Gny raiky ze maharesy vo ze manao ze fa vitako hatramigny farany, dra hameko anazy gny fahefa amigny firenena aby. 27'Hanapaky eo amin'ereo miaraky amigny tekim-by izy, manahaky gny fanorotoroa vilagny tany gny hagnapoteha anereo.'
29Aoky gny raiky ze mana-sofy hiteno ze zakanigny fagnahy ho an'ireo fengona.""'
Chapter 3

1Sorato ho anigny azelinigny fengona agny Sardisy ho: 'Izao gny zakanigny mitàna gny Fagnahy fiton'Agnahary vo reo kita fito. "Fataso ze nataonao. Malaza ho velo hanao, nefa hanao maty. 2Mifohaza vo hatazaho ze tavela, fa ho maty, akory sy hitako tateraky reo asanao eo amason'Agnahary.3Tadidio, noho izay, ze nitakarindrareo vo rendrareo. Akatoavo zay, dra mibebaha. Fa raha sy mifoha handrareo, dra ho avy manahaky gny pangalasy zaho, dra sy ho fatandrareo gny ora heviako amindrareo. 4Fa misy agnaran'olo visivisy agny Sardisy ze sy nandoto gny akazon'ereo. Handeha hiaraky aminahy ereo, mekazo fosy, akory mendriky.5Gny raiky ze maharesy dra hapekazo fosy,dra sy hamafa gny agnarany ao amigny Bokinigny fiegna mihisy zaho, dra hizaka gny agnarany eo agnatrehanigny Rako, vo eo agnatrehan'ireo azeliny. 6Aoky ze mana-sofy hiteno ze zakanigny Fagnahy amireo fengona.""'7"Soraty ho agny azelign'gny fiangonana agny Filadelfia hô: ' Izao gny zakagn'ny raiky ze masy vô mary izy gny mità gny fanalahilign'gny Davida, izy gny mamoha sady sy misy dre iza dre iza magnily ,izy gny magnily dra sy misy dre iza dre iza afaky mamoha . 8'' Fatasiko ze vatandrareo. Indro , nametrahako vatrangara mivoha eo agnoloandrareo ze sy afaky hilin'iza dre iza . Fatako fa mana hery andrareo ,ka nagneky gny zakako sy sady sy nandà gny agnarako.9Indro ! reo ze agny synagogagn'ny Satana, reo ze mizaka fa Jiosy ereo nefa sy izy akory;fa mavandy koa ereo . Hataoko avy dra handohaliky eo antombonao ereo ,dra ho avy ereo ,dra ho avy ereo bâ ahafatasy fa nitia anao zaho.10Satria fa nitandry gny didiko tamign'ny fahareta andrareo , dra hiaro andrareo amigny andro fisapa ze fa ho avy amin'izao totolo zao iaby avô koa zaho, bâ hisapa reo ze miay eo agn'abony tany. 11Ho avy sy ho ela zaho.Tano fatrasy ze hanagnanao bâ schist afaky hangalaky gny satro-boninahinao.12Ataoko andry eo amign'ny fiangonagn'Agnahariko ze mandresy,dra sy hiala eo mihisy izy . Ho soratako eo aminazy gny agnaran'Agnahary , gny agnaran'ny tanan'agnahary ( gny Jerosalema vaovao ,zay bak'any andagnisy baka amigny zagnahariko),vô gny agnarako vaovao. 13Aoka ze mana-sofy hiteno ze zakagn'ny Fagnahy amin'ereo fiangona.'''''14'' Sorato ho agny azelign'gny fiangonana agny Laodikia hô: '' Izao gny zakagn'ny Amena, gny vavolombelo mahatoky vô mary ,gny panapaky gny raha-boaarin'agnahary. 15'' Fatako ze nataon'ereo, dra sy mangasiaky na mafana andrareo . Magniry zaho bâ ho mangasiaky na mafana andrareo ! 16Noho zay ,satria andrareo matimaty -sady sy mafana gny sy mangasiaky dra fa laloagn'ny vavako andrareo.17Fa hô andrareo hô: 'Mana-karena zaho,nana fitaova maro ,ka sy mila na ino na ino . ' Saiky sy fatasindrareo fa andrareo gny tena ôry ,mampahonena, mizaly , poaky sady mitazaky .18Tenoy gny torohevisiko: Miviliana volamena voalio tamign'ny afo aminahy bâ ho avy pagnarivo andrareo ,sady akazo fosy manjopiaka bâ ho afaky mampiakazo gny vatandrareo andrareo ka sy hapiboaky gny hegnasy gny fitanandrareo,dra hagnososy gny masondrareo bâ hahitandrareo.19Apiofagniko gny sirairay ze tiako aby, dra hapenariko anereo gny fomba tokony hiegnan'ereo. Noho izay, mazotoa vo mibebaha. 20Ingo, mizoro eto amigny vatrangara zaho dra mandondo. Raha misy mahare gny feoko dra mamoha gny vatrangara, dra ho avy ao atragnony zaho dra hihina miaraky aminazy, dra izy miaraky aminahy.21Gny raiky ze mandresy, hatoloso anazy gny zo hipetraky miaraky aminahy eo amigny seza fiandrianako, manahaky gny nandresako koa dra nipetrahako niaraky tamigny Rako teo amigny seza fiandrianany. 22Aoky ze mana-sofy hiteno ze zakanigny fagnahy amireo fengona.""'
Chapter 4

1Tafaran'izay raha zay dra nagnety zaho,dra nahita vatrangara raiky nisokasy tegny amigny lagnisy . Gny feo volohany ze reko dra niresaky taminahy manahaky gny trompetra ,nanao hô: '' Miakara etihô,dra ho aboako anao ze sy maisy hisy afaran'ereo .''2Nisy fotoa zaho voatariky gny fagnahy,dra nahita fa nisy seza fiandriana nipetraky tegny amigny lagnisy ,nisy olo nipetraky teo agn'abonin'izay. 3Gny raiky ze nipetraky teo agn'abony dra miendriky tahaky gny jaspa vô karneola. Nisy avana nagnodidy gny seza fiandriana , Gny avana dra miendriky manahaky gny emeraoda.4Nisy seza fiandriana efasy amby rôpolo nagnodidy gny seza fiandriana ,dra loholo efasy amby rôpolo gny nipetraky teo agn'abon'ereo seza fiandriana,niakazo fosy,niaraky tamigny satro-boninahisy volamena tegny amigny lohan'ereo .5Baka tamigny seza fiandriana gny nisy helasy fahazava, kotroka, dra kotro-barasy . Nisy ziro fito nirehisy teo alohany seza fiandriana ,ziro ze fagnahy fiton'agnahary6Teo alohagn'ny seza fiandriana dra nisy ranomasy fitarasy ,manahaky gny kristaly. Reo raha-managn'ay efasy dra teo agnevogn'ny seza fiandriana vô nagnodidy anizay ,feno maso ,teo agnoloany vô tao an-damosiny.7Gny raha-managn'ay volohany dra manahaky gny liona ,gny raha -mahagn'ay faharô manahaky gny zanak'ambomby,gny raha managn'ay fahatelo dra manahaky gny olo,dra gny raha managn'ay fahefasy manahaky gny voro-mahery mitily. 8Reo raha-managn'ay efasy dra samy mana elasy enina aby, feno maso gny agn'abony vô gny ambany. Andro vô hariva ereo dra sy mizano mizaka hô:'' Masy ,masy, masy gny Topo zagnary sitoha ze nisy, vô misy, dra bô ho avy."9Dre ombia dre ombia gny raha managn'ay dra hagnome voninahisy ,laza,dra fisaora agny raiky ze mipetraky eo amigny seza fiandrianana , gny raiky ze velo mandrakizay doria,10reo loholo efasy amby rôpolo dra nampiankohoky gny vatan'ereo eo anoloagn'ny raiky ze mipetraky eo amigny seza fiandrianana. Mandohaliky eo amign'ny ze velo mandrakizay doria ereo, sady nanoraky gny satro-boninahisin'ereo teo agnoloagn'ny seza fiandrianana, mazaka hô: 11'' Mendriky anao,toponay vô Zagnahary, handray gny voninahisy vô gny laza sady gny hery . Fa anao gny namoro gny raha iaby,sady tamign'ny alalagn'ny sitraponao,dra nisy tinezà nereo.''
Chapter 5

1Dra nahita gny tagna-kavanagn'ny raiky ze nipetraky teo amigny seza fiandriana zaho, horo-taratasy voasorasy eo agnoloa vô ao afara.Dra nifeheziny tamign'ny tombo-kase fito zay .2Nahita azely mahery nagnambara tamign'ny feo fatrasy zaho ,nizaka hô: '' Iza gny mendriky gny hanokasy gny horogna-taratasy dra hamoha gny tombo-kasen'izay?''3Sy misy olo baka andagnisy na eto an-tany na ambanin'gny tany ka afaky hanokasy gny horonan-taratasy dre hamaky anizay. 4 Nitomagny fatrasy zaho satria sy nisy olo hita mendriky gny hanokaky gny horogna taratasy na hamaky izay. 5Kanefa gny raiky tamin'ere nizaka taminahy ho :"la mitomagny. ingo! gny liony fokon'i Joda, gny solofon'I Davida, dra nandresy. Afaky gny hanokaky gny horogna taratasy vo reo tombo Kasey fito izy .6 Nahita zanak'agnondry misanga eo agnelagnelan'NY seza fiandrianana vo reo raha managn'ay efasy dra eo agnevon'ereo loholona zaho. Manahaky gny olo vono izy. Nana tandroky fito voo maso fito izy;izy reo gny fagnahy fiton'Andriamanitra nalefa nanera gny tany. 7Nandeha izy dra nangalaky gny horogna taratasy tegny amigny tagna-kavananigny daily izy nitoboky teo amigny seza fiandrianana.8Gny fa tinakany gny zanak'agnondry gny horogna-taratasy, reo raha-managnay efasy vo reo loholony. Samy nana lokanga vo ampondra volamena feno emboky magnisy avy gny kiraikiraiky tamigny reo, izzy vavak'ireo mpino.9Nihira hira vaovao izy reo:"Mendriky gny handray gny horogna-taratasy hanao dra hanokaky gny tombo-kasen'izay.Fa hanao dra nivono, dra tamigny lionel gny miviliana an'ireo olon'izagnahary avy tamigny foko, fizaka, olo, dra firenena aby. 10Nataaonao fanjakana co pisoro izy reo ba hanompo an'i Zagnahary, dra hazaka eto vatany."11Avy eo zaho dra nahita vo nahare feon'azely maro nagnodidy gny seza fiandrianana vo ireo raha-managnay dra reo loholona. Gny fitambaran'ny izy reo dra amihariva. 12Nizaka tamigny feo fatrasy izy reo ho:"Mendriky anie gny zanak'agnondry izay nivono ba handray fahefana, harena, fahendrena, hery,laza,voninahisy, dra dera."Nahare reo raha voafora aby izay tagny an-dagnisy vo teto atany dra an-dranomasina zaho- gny raha aby tao agnatin'ireo-nizaka ho:"Ho any iray izay nitoboky eo amigny seza fiandrianana vo ho any zanak'agnondry, anie gny dera, gny laza,gny voninahisy,dra gny fahefana hikomandy, mandrakizay doria." 14Ireo raha-managnay efasy, nizaka ho:"Amena!"dra reo loholona niakohoky vo nivavaky.[fagnamariha:Gny sasany amin'ereo dika-zaka taloha dra mivaky ho:"Ireo loholo ro amby efa polo dra niakohoky vo nanompo any izay velo mandrakizay doria."]
Chapter 6

1Gny hanokaky gny raiky tamin'ireo tombo-kase fito gny Zanak'agnondry dra nagnety zaho, dra nahare gny raiky tamin'ireo raha-managnay efasy tamigny feo manahaky gny hotriky zaho nizaka ho:"Avia! 2Nagnety zaho dra nisy sovala fosy teo. Gny pitikisy izay dra nita sipiky, dra name satro-boninahisy izy. Niboaky manahaky gny mandresy izy ba handresy.3Gny fa nanokaky gny tombo-kase faharo gny Zanak'agnondry, dra nahare gny raha-managnay faharo zaho nizaka ho:" Avia!"
5Gny fa hanokaky gny tombo-kase fahatelo gny zanak'agnondry, dra nahare gny raha-managnay fahatelo zaho ho:" Avia!" Nahita sovala mety zaho, dra gny mpitikisy izay dra nita mizana tegny atany. 6Nahare manahaky gny feotamigjy raha- managn'ay efasy zaho nizaka ho:" Gny vary toran'NY fatra-bary ho an'ny denaria raiky, era gny hordea itelon'NY fatra-bary ho an'ny denaria raiky. Fa ka manoka gny menaky vo gny divay."7Gny fa hanokaky gny tombo-kase fahefasy gny zanak'agnondry, dra nahare gny feon'ny raha- managn'ay fahefasy zaho nizaka ho:" Avia! 8Dra nahita sovala hasasa zaho. Gny mpitikisy izay dra nitokavy ho Faty, dra ireo lolo dra nagnoriky anazy. Name fahefana amigny ampaha- efasy gny tany izy reo, ba hagnome sabasy, hanohagna co arety, dra amin'ireo bibidian'NY tang.9Gny fa hanokaky gny zanak'agnondry, dra hitako tao ambany alitara ireo fagnahin'ireo izay nivono noho gny zakan'Izagnahary vo gny fizoroa vavolombelo izay nizakan'ereo. 11Dra nagnome akazolava gny kiraikiraiky avy tamigny ireo, dra nizakany izy ireo fa tokony nandigny selasela mandra-pahaloany gny isa fenon'ireo piaramanompon'izy oreo vo ireo rahalahy vo anabavin'izy reo izy tokony hovono izy reo, manahaky gny hamonoa anazy reo.12Gny fa hanokaky gny tombo-kase fahangina gny zanak'agnondry, dra nagnety zaho dra nisy horohoro- tang lahibe. Lasa mety manahaky gny lamba fandala gny masoandro, dra gny vola fagmomana era lasa manahaky gny lio. 13Reo vasia tegny amigny lagnisy dra nilavo tetiky atany, manahaky gny aviavy magnisa gny tegnany mata gny fa fihesiky gny rivosy mahery. 14Gny lagnisy dra nazavo manahaky gny horogna- taratasy izay nagnorogna. gny tendrombohisy co gny nisy aby dra nala teo amigny toerany.15Avy eo ereo mpazakagn'NY tany vo gny olo manan-daza, vo ireo generally, gny mpana-karena, gny mahery, dra gny hafa aby, andevo vo afaky, novotny tao agnatin'ereo lava-bato vô tamin'ereo vatolapinign'ny vohisy.16Nizaka tamin'ereo vohisy vô tamin'ereo vatolapy ereo hô: '' Milavoa aminay ! Ahazaho amign'ny tavagny raiky ze mipetreky eo amigny seza fiandria vô amigny fahahiriagn'ny zanak'agnondry zahay.17Fa avy gny andro lahibegn'ny fahorian'ereo. Iza gny hahavita haiharisy?
Chapter 7

1Tarafan'izay dra nahita azely nisanga teo amy zoro tany efasy zaho, nagnohisy fatrasy gny sioky efasy gny tany,bâ sy hisy sioky amigny tany ,amigny ranomasy, na hifanohisy amy hazo aby.2Nahita azely hafa zaho niakasy baka amy tany asignana, ze nana gny tombo-kasen'agnahary velo. Nikoraky tamigny feo fatrasy tamin'ereo azely efasy ze nahazo alala hanimba gny tany vô gny ranomasy izy hô: 3''Ka simba gny tany ,gny ranomasy,dre reo hazo mandra-panisisika gny tombo-kase eo amigny handrin'ereo panopon'agnaharisika."4Nahare gny isan'ereo ze voatombo-kase zaho: 144,000,gny voatombo-kase tamign'ny fokogny olon'Israely iaby: Rôa arivo vô ray aly gny voatombo-kase baka tamigny fokon'i Joda ,rôa arivo vô ray aly baka tamigny fokon'i Robena,rôa arivo vô ray aly baka tamigny fokon'i Gada, 6rôa arivo vô ray aly baka tamigny fokon'i Asera,rôa arivo vô ray aly baka tamigny fokon'i Naftaly,rôa arivo vô ray aly baka tamigny fokon'i Manase.7rôa arivo vô ray aly baka tamigny fokon'i Simeona, rôa arivo vô ray aly baka tamigny fokon'i Levy ,rôa arivo vô ray aly baka tamigny fokon'i Isakara,8rôa arivo vô ray aly baka fokon'i Zebolona, rôa arivo vô ray aly baka tamigny fokon'i Josefa,dra rôa arivo vô ray aly baka tamigny fokon'i Benjamina gny voatombo_kase.9Tafaran'ereo raha reo dra nagnety zaho ,dra nisy olo maro be ze sy tambo isaky avy tamigny firenena,foko ,olo,dra fizaka iaby nisanga teo alohany seza fiandriana vô teo alohany zanak'agnondry. Nanao akazo lava fosy vô mita sapa-drofia tegny amigny tagnan'ereo, 10dra nitoka fatrasy tamigny feo mahery ereo nanao hô: ''Gny famozena dra an'Agnaharisika ze mipetraky eo agn'abony seza fiandriana, vô agny zanak'agnondry! ''11Gny azeliny any nisanga magnodidy gny seza fiandriana vô magnodidy reo loholo vô gny raha-managnay efasy ,dra ereo dra napandohaliky gny tavan'ereo teo alohany seza fiandriana. Nivavaky tamin'Agnahary ereo 12nanao hô :'' Ameny !Dera ,voninahisy ,fahendrena,fisaora,fahefa,dra gny hery anie ho an'agnaharisika mandrakizay doria! ameny !''13Bak'eo gny raiky tamin'ereo loholo nagnontany anahy hô: ''Iza reo,mekazo akazolava fosy,dra bak'eza ereo ?'' 14Hô zaho taminazy : ''Topoko,anao mahafatasy ,'' dra hô izy taminahy:'' Reo gny hiboaky baka amigny Fahoria lahibe .Nisasan'ereo gny akazolavany dra nifosiany tamigny liogn'ny zanak'agnondry.15Noho zay atony zay,dra alohan'gny seza eo fiandrian'agnahary ereo ,vô mivavaky aminy andro vô hariva ao amign'gny fiangonany. Gny raiky ze nipetraky teo amigny seza fiandriana dra hamelasy gny fandriany amin'ereo.16Sy ho resy sasy ereo ,dre hangetaheta draiky.Sy hamely anazy gny masoandro,dre gny hafana magnoro.17Fa gny Zanak'agnondry eo agnevogn'ny seza fiandriana gny ho piamby anazy reo vô hitari-dala anazy reo agny amigny loharanogn'ny rani velo,dra hofafan'agnahary gny ranomaso amign'ereo aby.''
Chapter 8

1Gny fa nivahany zanak'agnondry gny tombo-kase fahafito, dra nisy fahangina tagny andagnisy teo amy asasaky gn'ora teo .2Bak'eo dra hitako reo azely fito ze nisanga teo alohan'agnahary, dra nome trompetra fito ereo.3Nisy azely hafa avy,nita finga volamena fagnoroa litin-kazo magnisy, nisanga teo agn'abony gny alitara. Litin-kazo magnisy maro gny nome anazy bâ hanolorany anizay bâmign'ny vavaky gny pino eo agn'abony alitara volamena fagnoroa litin_kazo magnisy eo alohany seza-boninahisy.4Gny setroky gny ditin-kazo magnisy ,bâmbagny vavak'ereo pino,dra niakasy teo alohan'agnahary baka amigny azely.5Nangalaky gny finga fagnoroa litin-kazo magnisy gny azely dra nameno ze tamigny afo Bak'eo amigny alitara. Bak'eo natorany tamigny tany, dra nisy kotro- barsky, helasy mdra horohoro-tany.6Reo azely ze nana reo trompetra fito dra nioma hisioky anizay.7Nisioky gny trompetra gny azely volohany ,dra nisy havandra vô afo mifangaro lio. Natorany tegny atany ze bâ ho may gny apahatelon'izay ,may gny apahatelogn'ny hazo,dra may avôkoa reo ahi-meso . ( fanamariha : Gn'ilany amin'ereo litin-kazo taloha dra mangalaky gny hô: '' bâ ho may gny apahatelon'izay.'')8Nisioky gny trompetranygny azely faharô,dra nisy raha manahaky gny vohisy lahibe nirehis'afo natoraky tany an-dranomasy. Lasa ra gny apahatelogny raha-managn'ay tao an-dranomasy, dra rava gny apahatelon'ereo sambo.10Nisioky gny trompetrany gny azely fahatelo ,dra nisy vasia lahibe nilasaky bak'agny andagnisy, mirehisy manahaky gny fanilo, tamigny apahatelon'ereo ony vô loharano.11Raha mafaisy gny agnarany vasia.Lasa mafaisy apahatelogn'ny rano ,dra olo maro gny maty tamigny rano ze lasa nafaisy .12Nisioky gny trompetra gny azely faha-efasy,dra niova gny apahatelogny masoandro ,manahaky gny apahatelogny vola vô gny apahatelon'ereo vasia.Noho zay dra lasa mezy gny apahatelon'ereo ; sy nisy hazava gny apahatelogny andro vô gny apahatelogny hariva.13Nagnety zaho ,dra nahare voro-mahery ze nitily tegny agnevogn'ny lagnisy,nitoka tamigny feo fatrasy hô: ''' Loza, loza , loza , ho an'ereo ze mony egny amigny tany,nohogn'ny feony trompetra sisa ze fa ho sorfin'ereo azely telo."
Chapter 9

1Napagneno gny trompetrany gny azely fahadimy.Nahita vasia bak'agny andagnisy zaho ze nilasaky tegny atany. Gny vasia gny nome gny fanalahilign'ny lavaky sy hita resy.2Nisofafiny gny lavaky sy hita resy,dra niakasy gny setroky niboaky tao amigny lavaky mitovy gny setroky bak'ao amy lafory lahibe. Nivaliky maloky gny masoandro vô gny sioky nohogn'ny setroky niboaky tao andavaky.3Baka amigny setroky gny nahavian'ireo valala teto agn'abony tany,dra nome hery tahaky gny agny maingoka teto agn'abony tany izy reo. 4Nizaka ereo sy hanimba gny ahisy teto agn'abony tany na reo raha misiry meso na hazo,fa reo olo ze sy mana tombo-kasen'agnahary eo amigny handrin'ereo avô.5Sy nahazo alala gny hamono reo olo reo ereo ,fa hapizaly anazy reo mandrisy gny dimy vola avô. Gny fahatahoran'ereo dra ho tahaky gny sindrogn'ny maingoka gny fa mamely olo.6Amin'ireo andro reo dra hitalia fahafatesa gny olo,fa sy hahita anizay. Hagniry gny ho maty ereo,neda handositry anazy reo gny fahafatesa.7Mitovy gny sovala nomany tamigny aly reo valala. Tamigny lohan'ireo dra nisy raha mitovy gny satro-boninahisy volamena, dra gny vatan'ireo dra mitovy gny tarehin'olombelo. 8Nana volo mitovy gny volonapela ereo, dra gny nifin'ireo dra manahaky nifin'ireo liona. 9Nana fiarova-tratra mitovy gny fiarova-tratra vy ereo,dra gny feony elasin'ireo dra mitovy gny feony kalesy vô sovaly maro milomay ho agny amigny aly.10Nana rambo nisy fanindroma manahaky gny maingoka ereo ; ao amigny rambon'ireo gny misy gny hery hanimba gny olo mandrisy gny dimy vola.11Nana Pajaza ereo dra gny azelign'gny lavaky sy hita resy . Gny agnarany tamigny zaka Hebreo dra Abadona,dra gny agnarany tamigny zaka gruka dra i Apolyona .12Lasa gny loza volohany.Indro ! tafaran'izao dra bô hisy loza rô ho avy.13Napagneno gny trompetrany ilay anjely fahaenina, dra nahare gny feoniboaky tamigny tandroky gny alitara volamena ze fa nisy teto anatrehan'andriamanitra zaho.
16Gny isan'ereo miaramila nitikisy sovala dra 200,000,000. Nahere gny isa reo zaho.17Manahaky anizay gny fomba fahitako gny reo sovaly tao amigny fahitako vô reo ze nitikisy teo amin'ireo: Reo fiarova-tratran'ereo dra mirehisy mena, manga antisy dra solifara mavo.Nitovy tamigny lohan'ereo liona hmu lohan'ereo sovala ,dra gny niboaky boak'ao am-aban'ireo dra afo ,setroky,dra solifara.18Dra gny apahatelon'ereo olo dra matin'ireo Loza telo: gny afo,gny setroky ,dra gny solifara ze niboaky bak'ato ambavan'ereo. 19Fa gny herin'ereo sovaly dra bak'ao amigny vatan'ireo vô tamigny rambon'ireo fa gny rambon'ireo dra manahaky gny bibilava,dra nana loha ze afaky mandrasy olo ereo.20Gny ambin'ereo olombelo ,reo ze sy matin'ereo Loza reo ,dra sy nibebaky Tamin'asa ze vitan'ereo ,na nizano nanopo gny devoly vô sapy volamena,volafosy,varahana, vato,dra hazo-nireo raha ze sy hita maso ,re,dre mandeha .21Ereo dra bô sy nibebaky tamigny asa famonoa,gny famosavinereo ,gny fizangazanga dra reo asa fangalaran'ereo.
Chapter 10

1Avy eo dra nahita azely mahery hafa nizoso avy agny an-dagnisy. Tao agnaty raho izy, dra nisy avana teo agnabony lohany. Gny tarehiny dra mendriky masoandro dra gny tombony manahaky gny andrin'afo. 2Mita horogna-taratasy masaisaiky amigny tagnany izy, dra nanoby gny tombony havana amigny ranomasy vogny tombony havoa amigny tany.3Bak'eo izy dra nikoraky tamigny feo fatrasy tahaky gny feogn'ny liona.Gny fa nikoraky izy ,dra nikotroka fatrasy tamigny feony gny hotriky fito, dra teo andalam-panorata zaho, fa nahare feo avy agny an-dagnisy zaho nizaka ho:"Tano ho siambaratelo izay nizakan'ny hotriky fito. Ka soraty izay."5Avy eo gny azely hitako nisanga teo agnabony ranomasy vo teo amigny tany, nanandrasy gny tany havana tagny an-dagnisy. 6Izy niania tamigny ray zay velo mandrakizay doria, izzy namoro gny lagnisy vo izay rehetra ao agnatin'izay, dra gny ranomasy vo izay aby ao agnatin'izay, dra gny azely nizaka ho:"Sy hisy fiandriana sasy .7Fa amy andro raiky gny fa hapagneno gny trompetrany gny azely fahafito,dra ho tateraky gny misteran'Agnahary, tahaky gny nagnambarany tamin'ereo paminany panopony."8Gny feo ze reko bak'ao andagnisy nizaka taminahy draiky hô:" Mandehana,alao gny horogna-taratasy mibelasy ze egny an-tanagn'ny azely misangana eo agn'abony ranomasy vô agn'abonin'gny tany.9"Bak'eo dra lasa nagnagny amigny azely zaho dra nizaka taminazy bâ hagnome anahy gny horogna-taratasy masaiky. Hô izy taminahy :" Rambeso gny horogna-taratasy dra hano. Hamparary gny ao atronao zay ,fa ao am_bavanao dra ho mamy tahaky gny tately zay ."10Nalako tamign'ny tagnany azely gny horogna-taratasy masaiky dra nihaniky zay.Mamy tahaky gny tately tao ambavako zay, fa tafarany nihinanako anazy ,dra lasa malailay gny troko. 11Bak'eo nisy olo raiky nizaka taminahy hô: '' Sy maisy maminany draiky anao momban'ireo olo maro, reo firenena,reo fizaka,dra reo pazaka."
Chapter 11

1Name volotara ba hapesa manahaky gny they zaho. Nizaka taminahy ho:"Misangana era refeso gny tempolin'izagnahary vo gny alitara, dra reo izay mivavaky ao. fa ka refesy gny kiaza eo ambaliky gny tempoly, fa name an'ereo zetilisa izay. Hagnisaky gny tana masy mandrisy gny ro amby efapolo volohany izy reo.3Hameko reo vavolombelo ro gny fahefana naminany gny 1,260 andro, nagnisy lamba fandala." 4Reo vavolombelo reo dra hazon'oliva roa vo gny fittboha-ziro roa izay nisanga teo agnatrehany tompon'ny.5Gny misy olo misafily handrasy anazy reo, dra miboaky afo gny vavan'izy reo. Na iza na iza magniry gny handrasy anazy reo dra sy maisy hovono Amin'izay fomba izay.6Reo vavolombelo reo dra mana fahefa hagnisy gny lagnisy ba sy hilasahany ora mandrisy gny andro haminanian'izy reo.Manafahefa izy reo hagnova gny rano ho lio vo hamely gny tany aminigny karazany loza aby na ombia na ombia irin'ereo. 7Gny ho vita gny fizaroan'izy reo vavolombelo, dra miakasy avy agny agnaty lavaky sy hita resiresy gny bibidia hialy hanohisy anazy reo. Handresy anazy reo izy dra hamono anazy reo.8Hiampasy egny amigny lalan'ny raha-lahibe gny fatin'izy reo (izy tokavy avo koa ho Sodoma vo Egypta) izzy namasiha gny tompon'izy reo. 9Hagnety gny fatin'izy reo mandrisy gny telo andro vo tapany gny olo, gny foko, fizaka, dra gny firenena aby. Sy ho angan'ero hametraky ao an-dolo se.10Ireo izy miay eo agnabony tany dra hifaly amin'ereo dra hakalaza. Hifandefa fagnomeza vatany aza ereo satria mampifaly reo zay miay agnabony tany reo zay paminany ro reo. 11Fa afaky telo andro go tapany dra hilisy ao amin'ereo gny fofogn'ainy avy Amin'izagnahary, dra nizoro amigny tombony izy reo. Nilasaky amin'ereo izay mahita anazy reo gny tahosy lahibe. 12Avy eo dra Handre feo mahery avy agny an-dagnisy izy reo mizaka anazy reo ho:"Magnaniha eto!"Avy do dra hiakasy ho agny an-dagnisy so agnaty raho izy reo, gny bo magnety tany reo fahavalon'izy reo.13Amizay ora izay dra hisy horohoro-tany fatrasy, dra hosola gny ampahafolon'ny tana.Fito rivo gny olo ho maty amigny horohoro-tany, dra ho hatahosy reo olo sisa sy maty dra hame voninahisy an'i Zagnahary gny lagnisy. 14Lasa gny loza faharo. Ingo! avy malaky gny loza fahatelo.15Avy eo dra nampagneno gny trompetra gny azely fahafito, dra nisy feo fatrasy nizaka tagny an-dagnisy nanao ho:" Ho lasa fazakan'ny Toposika vo gny Kristiny gny fazakan'izao rotolo zao. Izy gny hazaka mandrakizay doria."16Avy eo ereo loholo efasy amby ropolo izay nitoboky teo amigny seza fiandrian'ereo teo agnatrehan'izagnahary dra nampiankohoky gny vavan'izy reo. Nakalaza an'iZagnanahary izy reo. 17Hoy izy reo:"Magnome fisora Anao izahay, ry tompo Zagnahary sitoha, gny amizao vo taloha, satria nangalaky gny herinao lahibe hanao dra nanomboky nazaka.(fagnamariha:Gny sasany amin'ireo dika-teny taloha dra mivaky ho:" gny panapaky gny aby, gny amizao vo taloha, dra gny ho avy, fa gny dika-teny amizao fotoa sy manahaky izay.)18 Ory fatrasy reo firenena, kanefa avy gny fahorianao. Avy gny fotoa hisara gny maty vo hamalianao soa reo paminany panoponao, reo izay pino, vo reo izay natahosy gny agnaranao, na gny sy manalaza na gny mahery. Avy gny fotoa handringananao reo izay manoka gny tany."19Bak'eo dra Nisioky gny fiangonan'Agnahary tagny andagnisy dra hita gny fiarany fanekeny ao agnatin'gny fiangonany.Nisy hela-panazavana,hotroky,orambe, horohorotany,dra havandra lahibe ato.
Chapter 12

1Famatara lahibe gny hita tagny an-dagnisy: apela nagnisy gny masoandro, va gny volana teo ambanin'ny tombony, vo gny satro-boninahisy vita tamign'ny vasia ro ambin'ny gny teo amigny lohany.2Bevoka izy, vo nihiaky fatrasy fa ho teraky ao agnatiny fihesehan- jaza.3Dra eo nisy famatara hafa niseho tagny an-dagnisy: Indro! Nisy dragona mena goavam-be izay nana loha fito vo tandroka fola, Vo nisy satro-boninahisy fito teo amin'ireo lohany.4Gny hoiny dra nifaoky gny ampahatelon'ny kitana tagny an-dagnisy sady nagnabitrosy anazy ereo tegny amigny tany.Gny dragona nisanga teo alohany apela faho teraky, gny fa teraky izy, dra afaky hamono gny zanany izy.5Niteraky zazalahy izy, izy hanapaky firenena aby mindray amigny tehiny.Gny zanany dra nala amizao ho egny Amin'izagnahary vo ho eo amigny seza fiandrianany, 6Dra gny apela nandososy nagnagny agnefisy, say nisy toera fa nomagnin'iZagnahary ho anazy, dra ho voakarakara mandrisy gny 1260 andro izy.7Dra nisy aly an-dagnisy. Mikaela co reo azely dra nialy tamigny dragona; dra gny dragona vo gny azely dra namaly aly. 8Fa sy matazaky gny dragona dra sy maharesy. dra sy nisy toera ho nazy vo reo azely sasy tagny an-dagnisy. 9Gny dragona lahibe____izay menarana fahiny nitokavy hoe devoly na Satana, gny namitaky an'izao totolo zao___ dra natoraky egny agnabony tany, dra reo azely dra natoraky nindray taminazy10Avy nahare feo fatrasy avy agny an-dagnisy zaho:" amizao dra avy gny famozena, gny hery, gny fazakan'izagnaharisika dra gny fahefan'I Kristiny. Fa gny mpiampanga gny rahalahisika dra natoraky tagny ambany, gny raiky izay miampanga anazy reo andro amihariva eo agnatrehan'izagnahary.11Izy reo dra maharesy anazy tamign'ny liony Zanak'agnodry vo tamigny zaka fizoroan'ereo vavolombelo, fa sy nagnamamy gny fiaignany sasy izy reo ba dre ho maty aza. 12Noho izay, mifalia, handrareo ry lagnisy, izay aby toboky ao aminazy. Fa mitandrema gny amigny tany vo gny ranomasina satria gny devoly dra nizoso tegny amindrareo. Feno fahatezera izy, satria fatany fa fotoana boribory sisa gny hanagnany.13Gny fa nahafatasy gny dragona fa nalavo tamigny tany izy, dra nagnoriky gny apela niteraky zazalahy izy. 14Fa gny apela dra name elasy Ron'ny voromahery lahibe, dra afaky nitily nagnagny amigny toera nikarakarany ho nazy agnefisy. Io gny toerana hisizova anazy, mandrisy gny telo tao vo tapany___ ba sy ho hitan'ny menarana.15Nagnaboaky rano manahaky gny renirano tamign'ny vavany gny menarana, izay handay andrapela. 16Fa guy tany nagnampy andrapela. Nisokafiny tagny gny vavany dra natolony izay naboakin'NY vavanigny dragons. 17Dra ory tamin-dravehivavy gny dragona dra niala nitalia aly tamigny sisan'ireo taranany, izay makato gny didin'izagnaharu dra mita gny fizoroa vavolombelo momba an'i Jesosy. Avy eo nisanga teo agnabony fasy gny ranomasy gny dragona.
Chapter 13

1Dra nahita bibi-dia zaho niakasy avy tamigny ranomasina. Nanana tandroky folo zay dra loha fito. Teo amigny tandrony dra nisy diadema folo, dra teo amigny lohany dra nisy agnara fizaka-drasy avy.2Gny bibi-dia ze hitako dra manahaky gny leoparda. Dra tombony dra manahakigny vavan'ny liona. Gny dragona nagnome anazy gny heriny, gny seza fiandrianany, dra gny fahefany lahibe hanapaky.3Gny lohanigny bibi-dia raiky dra toa fa maty, kanefa sitrany gny marasy faho mahafaty anazy. Dra gaga gny tany aby dra nagnoroky gny bibi-dia.4Dra gny niondriky koa teo amign'ny bibi-dia, dra, izy reo nizaka ho: "Iza gny manahaky gny bibi-dia?" dra"Iza gny afaky mialy aminazy?"5Name vava afaky hizaka firehafa vo fizakan-drasy gny bibi-dia. Nome alalana izy mba ham-pihasy fahefa zisikagny efesy ambi-efapolo volana.6Dra 6Dra namoaky gny vavany hizaka rasy an'Andriamanitra gny bibi-dia: nizaka rasy gny agnarany, gny tany ze hipetrahany dra reo izay mipetraky ao an-dagnisy.7Nangany hitalia tamin'ereo mpino dra handresy anazy reo gny bibi-dia. Dra koa, gny fahefa dra name anazy menara gny foko, gny olo fizaka, dra gny firenena aby. 8Handohaliky eo aminazy reo aby izay mitoboky agnabony tany, reo zay sy voasorasy agnara, mandrisigny famorogna izao totolo izao, so amigny Bokin'ny Fiegna, izzy an'ny zanak'agnondry, izay fa nivono.9Gny misy manasfy, angao izy hizaka. 10Gny misy nala babo, dra handeha amigny fahababoana izy. Gny misy nivono tamigny sabasy, amigny sabasy gny hamonoa anazy. itiky guy aso ho an'ny fahareta dra finoa ho an'ereo izay masy.11Dra nahita bibi-dia hafa zaho niakasy avy tamigny tany. izay dra nana tandroky to manahakigny zanak'agnondry., dra nizaka manahaky dragona. 12Napihariny aby gny fahefa aby an'gny bibi-dia volohany eo agnatrehany, dra gny tany vo reo izay mitoboky eo aminazy dra asny mandohaliky eo amigny bibi-dia volohany___ gny raiky izay sitrany tamigny rasy saiky nahafaty anazy.13Nanao fahagaga maro lahibe izy. Nampizoso ago avy agny an-dagnisy ho amigny tany teo alohany olo. 14Tmigny alalan'ny famatara dra name alalana anao izay, namitaky an'ireo izay mitoboky agnabony tany izay. Nizaka tamin'ereo izy ba hagnamboasy sary ho voninahisy gny bibi-dia izay voasorasy gny sabasy nefa velo.15Nanga hasina at gny tamin'ny bibi-dia ba ahafahanigny sary mizaka dra izay aby sy magneky mandohaliky amigny bibi-dia dra nivono. Nanery gny kiraikiraiky avo koa izy, na gny masaisaiky na gny lahibe, na gny manakarena na gny mahatra, na gny sy andevo na gny andevo, dra mandry gny mary eo amigny tana akavana na eo amigny handriany.
18Izao dra miaraky fahendre. Gny misy olo manan-say,aoka izy hagnysaky gny hitanigny gny bibi-dia. Fa izao dra isanigny olo. Izao isa said 666.
Chapter 14

1Nagnety zahi dra nahita gny zanak'agnondry misanga teo amigny tendrombohisy Ziona. Nindray taminazy reo 144. olo izay nana gny agnarany vo gny agnaran'ny babany voasorasy eo amigny handriany ereo. Nahare reo avy agny an-dagnisy manahaky gny firohorohony rano maro vo kotroky fatrasy zaho. Gny feo avo koa dra manahaky gny mpitandry lokanga mitandry gny lokanga.3Niihira hira vaovao teo alohany seza fiandriana vo teo alohanyn'ireo zava- managnay efasy vo ireo loholo izy reo. Sy nisy na iza na iza afaky mianasy gny hira afa-sy reo 144. olo izay niviliny avy teo atany avo. 4Reo dra olo izay sy nandoto gny vatany reo tamigny apela, fa nihazo gny vatany malio ara-nofo ereo. Izay dra nagnoriky gny zanak'agnondry na eza na eza handehanany. Izy raiky avo dra nivily avy tamigny olombelo manahaky gny voloham-bokasy ho an'izagnahary vo ho an'ny zanak'agnondry. 5Sy nisy vandy hita eo amigny fagnevany ereo, sy manasigny ereo.[Fagnamariha:Gny dika-teny sasany magnampy ho:"teo alohany seza fiandrianan'izagnahary"]6Nahita azely hafa nitily agnabo zaho, izzy nana gny hafasy mandrakizain'ny vaovao mahafaly hozaka amin'ereo miay agnabony tany amigny firenena, foko, fizaka, dra gny olo aby. 7Nitoka tamigny feo fatrasy izy ho:"Matahora an'iZagnahary dra magnomeza voninahisy anazy. Fa avy gny lelany fiarany. Mivavaha aminazy, gny raiky izay nanao gny lagnisy, gny tany, gny ranomasy, dra gny loharano."8Nidy azely hafa-NY azely faharo nagnoriky nizaka ho:"Nilavo, nilavo Babylona lahibe, izzy nandresy lahasy reo firenena aby ba hino gny divain'NY fitondra-tegna malotony."9Nisy azely hafa- azely fahatelo nagnoriky anazy ereo, nizaka tamigny feo fatrasy ho:"Gny misy mivavaky amigny bibidia vo gny sariny dra mangalaky gny mariky eo amigny handriany na eo amigny tagnany. 10Dra hino gny sasany amigny divain'NY fahorian'iZagnahary avo koa izy, divay sy miharo izay nandrosaky tao agnatiny kapoakiny Harris. Gny olo izay mino izay dra ho apizaly amigny afo avo solifara eo alohan'ereo azely masin'iZagnahary vo eo alohany Zanak'agnondry.11Gny hoto avy amigny fifalian'ereo dra miakasy mandrakizay doria dra sy mana-pisahara andro vo hariva ereo, dra gny olon'aby izay mangalaky gny mariky gny agnarany.
13Nahare feo avy agny an-dagnisy zaho nizaka ho:"Sorato izao:Sambasy gny maty izay maty ao amin'ny tompo." "ie", hoy gny fagnahy, " ba hahafahan'ereo miala sasasy amigny asan'ereo, fa gny vitan'ereo dra magnoriky anazy avo".14Nagnety zaho, dra nisy raho fosy. Nitoboky eo amigny raho gny raiky manahaky gny Zanak'olo. Nana satro-boninahisy volamena teo amigny lohany vo fiziza maragnisy egny atagnany izy. 15Dra nisy azely hafa niboaky gny tepoly dra nitoka tamigny feo fatrasy gny mitoboky eo amigny raho nanao ho:"Takaro gny fiziza dra manomboky miziza. Fa avy gny fotoa hiziza, satria masaky gny vokasy gny tany." 16Dra gny raiky izay nitoboky teo amigny raho hampandroso gny fiziza teto an-tany, dra miziza gny tany.17Nisy azely niboaky avy ao tepoly tagny an-dagnisy; nana fizalia maragnisy avo koa izay. 18Bo nisy azely hafa koa niboaky gny alitara fagnoroa ditin-kazo magnisy, izy nana fahefana amigny afo. Nitoka tamigny feo mahery an'ereo izay nana fizalia maragnisy izy ho:"Takaro gny fizalia maragnisy dra dragona reo sapa-voloboky avy amigny voloboky gny tany, fa reo voloboky dra fa masaky izao."19Napandroso gny fizalia tamigny tany gny azely dra nagnoro gny vokasy gny voloboky gny tany. Natoraky ao agnaty famiaza-voloboky lahiben'gny Zagnahary izay. 20Gny famiaza-voloboky dra nihisahy tagny ambalikin'gny tana igny, dra gny lio niily avy eo amizay dra avy hatragny amigny haabony lamboridy-sovala, izzy 1.600 stadio.
Chapter 15

1Avy so dra nahita famatara hafa tegny amigny lagnisy zaho, lahibe vo mahatama:Nisy azely fito mindray amigny Loza fito, izzy Liza farany indrindra, fa amin'ereo gny hahatateraky gny fahorian'iZagnahary.2Nahita izzy niseho tamigny ranomasy fitarasy napetrany tamigny afo zaho. Nisanga teo agnilany ranomasy reo zay nandresy an'i bibi-dia vo gny sariny, co gny isa maneho gny agnarany. Izy reo dra nita harpa namen'iZagnahary anazy reo.3Izy dra nihira gny hitan'NY Mosesy, gny panopon'izafgnahary, gny hitan'NY Zanak'agnondry ho:" Lahibe vl mahagaga reo asanao, Topo Zagnahary, gny avo indrindra. Marina co mahisy reo lalanao, gny mpazakan'ereo firenena. 4Iza gny sy hatahosy Anao, ry Topo, co hagnome voninahisy gny agnaranao? Fa hanao raiky gny masy. Gny firenena aby ho avy vo hivavaky eo agnatrehany satria gny asanao mary dra fa zinaka."5Tafaran'izay raha reo dra nagnety nisokaky tagny amigny lagnisy gny tepoly izay mana gny fizoroa vavolombelo. 6Niboaky avy ao amigny toera masy indrindra reo azely fito mita reo loza fito. Izy reo dra mahazo malio lamba zanaka manorasy vo misy fehi-troky volamena magnodidy gny tratran'ereo reo.7Gny raiky tamin'ireo raha- managnay efasy name an igny azely fito ampondra volamena fito maro gny fahorian'iZagnahary, gny velo mandrakizay doria. 8Feno hoto avy amigny heriny gny tepoly. Sy misy na iza na iza afaky milisy ao mandra-pahatateraky gny loza fiton'ireo azely fito.
Chapter 16

1Nahare feo fatrasy avy ao tepoly zaho dra nizaka tamin'ereo azely fito ho:"Mandehana atondraho amigny tany reo ampondra feno gny fahorian'iZagnahary."2Nandeha gny azely volohany dra Nandraraky gny ao agnampondra tamigny tany; raha rasy mahafaty gny avy tamigny olo izay nana gny mariky gny bibi-dia, reo zay nakalaza gny sariny.3Gny azely faharo Nandraraky gny ao agnapondra tamigny ranomasy. Nazary lip, manahaky gny lio maty, era Mary gny raha-managnay aby tao an-dranomasy.4Gny azely fahatelo Nandraraky gny ao agnapondra tamin'ireo vo loharano, dra nazary lip. 5Reko gny azelign'gny rani manao ho:"Marina Hanao__gny amizao vo taloha gny raiky Masy_satria fa nisara reo raha reo Hanao. (Fagnamaria:Gny atota-taratasy sasany taloha dra mamaky ho:"Marina Hanao. Topo_gny amizao vo taloha dra ho avy, satria fa nisara reo raha reo raha reo hanao.") 6Satria gny liony mpino vo paminany gny nalasak'ereo, dra namanao lio ho nomy ereo; izay gny mendriky anazy reo." 7Feko gny alitara namaly ho:" Ie, Topo Zagnahary lahibe, reo fisarana dra marina vo mahisy."8Gny azely fahefasy Nandraraky gny ao agnapondra tamigny masoandro, dra nahazo Normandy hagnoro gny olo amigny afo izay. 9Manigny Havana be ereo, dra nizaka rasy gny agnaran'iZagnahary, izay mana gny fahefana amigny loza reo. Sy nibebaky ereo na nagnome voninahisy Anazy.10Avy gny azely fahadimy Nandraraky gny ao agnapondra tamigny seza fiandrianany bibidia, dra mandrakoky gny fazakany gny hariva. Nihina gny lalan'ereo nohogny fahoria. 11Nizaka easy gny Zagnahariny gny lagnisy ereo nohogny fahoria vo tamin'ereo, dra bo nanda gny hibebahany amigny vitan'ereo avo ereo.12Gny azely fahaenina Nandraraky gny ao agnapondra tamigny ony lahibe, gny Eotrata. Noritina say ba hagnoma gny lalana hany pazaka izay ho avy agny asignana. 13Nahita fagnahy maloto zaho izay gniendriky saboketra miboaky avy agny am-bavany dragona, avy agny am-bavany bibidia, dra avy amigny vavany paminany sandoky. 14Fa fagnahiny demonia manao famatara mahagaga ereo. Nagnagny amireo pazakanizao totolo izao ereo ba hagnoro anazy reo mindray ho an'ny valiny andro lahiben'iZagnahary Avo indrindra.15(Ingo!avy manahaky pangalasy Zaho! Sambasy izay miamby, miaro reo fitafiany ba sy hiboaky mita izy dra hitan'ereo gny fahamegnarany.") 16Nandesin'ereo nindray tagny amigny toera izay tokavy ho Hara-megedona amigny Hedreo ereo.17Avy eo gny azely fahafito Nandraraky gny ao agnapondra tamigny rivosy. Dra nisy feo fatrasy niboaky avy tao tepoly vo avy tamigny seza fiandrianana, manao ho:"Vita izy!" 18Nisy helasy, hotriky, kotro-barasy, dra horohoro-tany fatrasy_horohoro-tany lahibe noho izay fa nitranga hatramigny isan'olo teto an-tany dra fatrasy izay horohoro-tany izay. 19Vaky ho fizara telo gny tana lahibe, dra rava gny tanan'ereo firenena. Avy eo Zagnahary nitoka ba hahasiaro an'Babylona lahibe, dra namany izay tana izay gny kapoaky feno divay avy amigny firehetany fahoriany.20Nazavo gny nisy aby, dra sy hita sasy reo tendrombohisy. 21Nisy handrava bevety, milaza eo amigny taleta raiky eo, nizoso avy agny an-dagnisy ho amigny olo. Nagnozo an'iZagnahary izy reo nohony loza avy tamigny havandra satria tena fatrasy loasy izay loza izay.
Chapter 17

1Gny raiky tamigny azely fito izay nita reo ampondra fito vo nizaka taminahy ho:"Avia, ho apotoroko anao gny zakan'NY pizangazanga lahibe izay mitoboky agnabo rano maro. 2Nindray taminazy gny napizangazanga anireo pazakan'NY tany. Gny divain'ny fizangazangany gny nahamamo reo pitoboky atany."3Avy gny azely ninday anahy tamigny fagnahy amigny tany karakaina, dra nahita apela nitoboky eo agnabo bibi-dia mena izay feno agnara zaka rasy zaho. Gny bibi-dia dra mana lola fito vo tandroky folo. 4Gn6 apela dra nekazo voloparasy vo mena dra voaravaky volamena, Cato sarobidy, dra vato soa. Izy dra nita tamigny tagnany kapoaky volamena feno reo raha maharikoriko vo reo sy fahaliovan'ny fizangazangany. 5Teo amigny handriny gny nisy agnara mana dikany mivony voasorasy ho:"Babilona lahibe, gang renin'ireo pizangazanga vo gny raha mapangelakelakigny tany."6Nahita zaho fa gny apela dra tamin'NY lion'ireo pono vo gny lion'ireo martiry ho an'i Jesosy. Gny fa nahita anazy zaho, dra tena Rama. 7Fa gny azely nizaka taminahy ho:"Magnino gny tam hanao? ho zakako anao gny dikany apela vo gny bibi-dia izay minday anazy, gny bibi-dia izay mana loha fito vo tandroky folo.8Gny bibi-dia ze hitanao dra misy, fa sy misy ankehitriny, fa andalam-piakara avy agny amign'ny farany ambani'ny lavaky sy hita sasy. Avy eo dra nandeha amigny fahasola azaho. Reo ze miay abony tany, reo ze sy voasorasy ao amign'ny Bokin'ny fiegna hatramin'gny namorogna an'izao totolo izao gny agnarany- ho gaga izy reo aby hahita hahita fa gny bibi-dia dra misy, fa sy misy sasy amizao, faandalam-pihaviana.9Mitoka saina ze manam-pahedrena zao. Reo loha fito dra vohisy fito ze nipetrahanigny ampela.10Izy reo avo koa dra mpanjaka fito. Mpanjaka dimy vo lavo, raiky gny misy, dra gny hafa dra bo sy avy; aby avy izy, dra fe-potoa keliky avo gny hipetrahany.11Gny bibi-dia zay misy, fa sy misy amizao, pazaka fahavalo izy; kanefa raiky amin'ereo pazaka fito izy, dra hagnagny amigny fahasola.12Reo tandroky folo zay hitanao dra pazaka folo zay bo sy nangalaky fazakana, fa hahazo fahefana manahaky gny pazaka mindray amigny bibi-dia mandrisy gny valiny raiky ereo. 13Fitovia-loha zay, dra reo hagnome gny hery vo gny fahefan'izy reo amigny zanak'agnondry ereo. Fa gny zanak'agnondry gny handresy anazy reo satria izy gny Topon'ny Topo, dra pazakan'ny pazaka dra mindray aminazy reo voatoka, reo voafily, dra reo mana-pinoa."15Ho gny anjely taminahy: "Reo rano ze hitanao, teo amigny nipetrahanigny mpinjanganjanga,vo olo, vondron'olo, firenena,dra fizaka.16Reo tandroky folo hitana-izy reo vo gny bibi-dia dra hakalaza anigny mpijangajanga. Ho ataon'izy reo lao vo mita izy, hanataky gny nofony ze ereo. dra handaro anazy tateraky amin'gny afo.17Fa Andriamanitra fa nametraky anizao tao am-pon'izy reo mba hagnatateraky gny fikasany amin'gny fagneken'izy reo hagnome gny herin'izy reo handesa gny bibi-dia mandram-pahantateraky gny Zak'Andriamanitra.18Dra rapela, gny hitanao vo tana lahibe izay Mazaka amigny mpanjkan'ny tany."
Chapter 18

1Tafaran'izay raha ihoky dra nahita azely hafa zay nizoso avy agny an-dagnisy zaho. Nana fahefana lahibe izy, dra namirapirasy nohon'ny voninahiny gny tany. 2Nihiaky tamigny feo mahery izy, nizaka ho:"Nilavo, nilavo gny Babylona lahibe! dra avy toera-pitobohany debolt, fialofany ho an'ireo fagnahy maloto dra fialofany ho an'ny reo voro maloto vo mapangelakelaky aby. 3Fa gny firebena aby dra nino gny divain'ny fandesategna malotony. Reo pazakan'ny tany dra nanao fandesa-regny maloto taminazy. Reo pamarosy gny tany dra avy panandraha tamigny alalany fomba fiaignany amigny nofo."4Avy eo dra nahare feo avy agny an-dagnisy zaho, mizaka jo:"Miala Aminazy, ri oloko, ba sy hizarany gny fahotany ndrareo lohany. 5Fa nihangona manahaky gny ahabon'ny lagnisy gny fahotany, dra Zagnahary mahasiaro reo asa trasiny. 6Mamalia anazy manahaky gny namalian'NY hafa, dra valio avy ro heny zay fa vitany;tao almighty kapoaky zay fa nifeheny, dra fonao avo ro heny hon'azy.7Manahaky izy nagnome voninahisy gny tegnany vo niay tamigny sy fiaigna, omeo anazy gny fizalia vo gny alahelo tandrify anazy. Fa izy nizaka tao am-pony nanao ho:"Nitoboky manahaky gny pazaka apela zaho. Sy maty valy zaho, dra sy handala mandrakizay.' 8Noho zay dra ho vay amigny andro raiky reo areti-mandringany: gny fahafatesa, gny fandala,dra gny mosary. Horoan'ny afo izy, fa gny Topo Zagnahary dra mahery, dra izy gny pisara anazy."9Reo pazakan'ny tany zay mizangazanga vo nandeha sy am-pierisereta nindray taminazy dra nitomagny dra handohaliky eo agnatrehany aby hahita gny hoto gny fahamezany izy reo. 10Hizoro lavisy izy reo, natahosy gny fizalia, hizaka ho:"Loza ho anigny tana lahibe, Babylona, gny tana mahery,fa amigny ora raiky ho avy gny azondrareo."11Reo pamarosy gny tany dra mitomagny vo mandala hon'azy, satria sy nisi olo nialy carosy hon'azy sasy. 12Varosy volamena, volafosy, Cato sarobidy, firavaky, lamba-drangony tena soa, boloparasy, landy, mena,reo karazany hazo ala, gny fanaky ivoara, gny tanaky aby vita avy amigny hazo sarobily, barahona, vy, Barbra, 13Kanelina, zava-magnisy, ditin-kazo , miora, hanitra, divay, menaky, kononoky spa lisa, vary, biby fiopy dra agnondry vo kalesy, reo andevo vo fagnahin'olo.14Gny vokasy zay tianao tamigny herinao aby dra hiala aminao. Gny etanao lafo vily vo reo namirapirasy dra nazavo, dra sy ho hita sasy mandrakizay.15Gny pamarosy eta zay avy panambola noho zay dra hiala aminazy lavisy nohon'ny fatahorany gny fizalia, hitomagny vo handala fatrasy. 16Hizaka ereo ho:"Loza, Liza go amigny tana lahibe zay nekazo tamigny lamba-dragony tena soa, voloparasy, co mena, dra niravahany tamigny volamena, firavaky sarobily, dra valisoa! 17Agnatiny lera raiky dra ho foagna say aby zay."Reo kapiteni-sambo album reo mandeha egny agnabony ranomasy aby, tasambo, co zay aby mitoboky an-dranomasy, era hisanga lavisy.18Nihiaky ereo gny fa nahita amigny hoton'NY fahama. Nizaka ereo uo:"Tana ino manahaky gny tana lahibe?" 19Nagnatoraky vovoky egny an-dohany izy dra nikoraky fatrasy, nitomagny, co mandala, nanao ho:"Liza, Liza go amigny tana lahibe zay hisy Amin'ireo aby nana reo sambo an-dranomasy gny avy panandraha avy amigny harenany. Fa tao agnaty lera raiky dra sola izay." 20"Mifalia aminazy, ry lagnisy, handrareo pino, apostoky, era paminany, fa Zagnahary ninday gny fitaraindrareo tami azy"!21Azely mahery raiky nangalaky vato manahaky gny vato lahibe dra natorany zay tagny an-dranomasy, dra nizaka ho:"Amizay combs zay, Babylona, gny tana lahibe,harodana arching herisetra, dra sy hita sasy. 22Gny feo nataon'gny lokanga, pitendry mozika, pisioky sodina, vo trompetra dra sy ho re ao aminao sasy. Reo panao asa-tagna isa-karazany dra sy hita ao aminao sasy. Sy hisy feon'ny vato fikosoha-vary ho re sasy eo aminao.23Gny fahazavan'gny ziro,dra sy namirapirasy ao aminao sasy.Reo feon'ny pagnakasy vo apekary dra sy ho re aminao sasy, fa gny pamarosy reo gny andriany tany, dra reo firenena dra voaisaky tamigny fagnosaviandrareo. 24Tao aminazy gny nahita gny lion'ny paminany, go reo pino, dra gny lion'ireo aby zay voavono teto an-tany. "
Chapter 19

1Tafaran'ny raha zay dra nahare zay manahaky gny feo fatrasigny vahoaky maro isa tagny an-dagnisy zaho nanao ho:"Aleloia, Gny famozena, gny voninahisy, dra gny hery an'Izagnahary. 2Reo fisarany dra marina vo mahisy, fa nisara gny pivaro-tegna lahibe zay magnarasy gny tany tamigny fizangazanga izy. Namaly faty gny babandrareo panopony, say nalasany izy."3Nizaka fagnindrony izy ho:"Aleloia! Gny hoto dra miakasy avy aminazy mandrakizay doria." 4Reo loholo efasy aby ropolo vo reo raha-managnay efasy dra nandohaliky dra nanopo an'iZagnahary izay nitoboky teo amigny seza fiandrianana. Hoy ereo:"Amena. Aleloia!"5Dra feo niboaky avy ao amigny seza fiandrianana, nanao ho:"Derao Zagnaharsika, handrareo aby panopony, handrareo zay matahosy Anazy, na gny sy mana-laza na gny mahery."6Dra nahare zay manahaky gny feon'ny olo maro isaky, manahaky gny firohondrohon'NY rani maro, vo manahaky gny fipoahany hotroky fatrasy zaho, nanaimo ho:"Aleloia! Fa Mazaka gny Topo, Zagnahary zay manapaky amigny aby.7Ao sika hifaly vo ho ravoravo dra hagnome voninahisy Anazy satria avy gny fapekara-valy Zanak'agnodry, dra gny apekariny fa nioma. 8Name aka hekazo lambs rongony manorasy vo malio izy" ( fa gny lamba rongony dra reo asa Amin'ireo olo-masy).9Gny azely nizaka taminahy ho:"Sorato izay:Sambasy reo zay masina tamigny fety fapakara-valin'ny Zanak'agnodry. Nizaka taminahy koa izy ho:"Reo dra zaka marin'iZagnahary." 10Nandohaliky eo amigny tombony ba hanopo anazy zaho, fa hoy izy taminahy:"Ka manao anio!Izaho dra pindray-manopo aminao vo reo rahalahinao izay mita gny fizoroa vavolombelo momba an'i Jesosy. Manopoa an'i Zagnahary, fa gny fizoroa vavolombelo momba an'i Jesosy dra gny fagnahiny faminania."11Dra nahita gny lagnisy nisokaky zaho dra nagnety dra nisy sovala fosy. Gny pitikisy zay dra nitokavy ho mahatoky vo marina. Amigny fahamarina gny hasarany vo hia,iany. 12Reo masony dra manahaky gny lelan'afo, dra eo amigny lohany misy satro-boninahisy maro. Mana agnara voasorasy eo aminazy izay sy misy mahafatasy afa-sy yzt avo izy. 13Mekazo akazo lava izay nasoboky so amigny lio izy, dra gny agnarany dra tokavy ho Zakan'i Zagnahary.14Reo tafiky gny lagnisy dra nagnoriky anazy tamigny sovala fosy, mekazo lambs rongony, fosy vo malio. 15Avy ao amigny vavany gny miboaky gny sabasy maragnisy zay amizay gny hasarany gny firenena, dra hanapaky anazy reo amigny fehy avy izy. Magnisaky so amigny famiazan'NY fahavignirany fahorian'I Zagnahary Sitoha. 16Mana agnara voasorasy eo amigny akazo labany eo amigny feny izy ho:"Pazakan'ireo pazaka vo tompon'ereo Topo."17Nahita azely nisanga eo amigny masoandro zaho. Nitoka tamigny feo mahery reo voro nitily agnabo aby izy ho:"Avia, mivavaky ho any fety lajiben'iZagnahary. 18Avia hisakafo gny nofon'ireo pazaka, gny nofon'ereo pitari-tafiky, gny nofon'ireo lelahy mahery, guy nofon'ireo sovala vo reo pitikisy zay, dra gny nofon'ireo lelahy aby, gny afaky vo gny andevo, gny sy mana-laza co gny mahery."19Nahita gny bibi-dia go reo pazakan'ny tany nindray tamigny tamin'ereo zaho. Nivavaky ereo ba hialy amigny raiky zay nitikisy gny sovala vo amigny tafiny. 20Azo gny bibidia dra nindray taminazy gny paminany sandoky izay nanao reo famatara teo agnatrehany. Tamin'ireo famatara reo gny namitahany reo zay nandray gny mariky gny bibi-dia vo reo zay nanopo gny sariny. Izy ro reo dra natoraky ao agnatiny farihin'afo mirehisy solifara.21Gny angnondrin'ereo dra nivono tamigny sambasy izy niboaka gny vavaner' ereo ze nikisy gny sovala. Gny voron'aby nihina gny nofo mangasiak'ereo.
Chapter 20

1Dra nahita azely nizoso avy tagny an-dagnisy zaho. Nana gny fagnalahilin'NY lavaky sy hita niania izy, dra nana rose by lahibe tegny an-tany. 2Nanambosy anigny dragons izy, gny menarana fahiny, gny devoly,na Santana, dra nifeheny arivo tao. 3Natoraky tagny amigny lavaky sy hita niania izy, nihiliny zay dra ba sy hamitahany gny firenena maro sasy mandra-pahatapisy gny arivo tao. Tafaran'izay, dra sy maisy havotosy fotoa masaisaiky izy.4Dra nahita seza fiandrianana maro zaho. Nitoboky eo agnabony reo zay name fahefana misara. Nahita gny fagnahin'ireo zay nitapahin-Doha zaho gny fizoroany vavolombelo mahakasiky an'i Jesosy dra nohon'ny zakan'i Zagnahary. Sy nandohaliky tamigny bibi-dia na tamigny sarin'NY izy reo, dra ereo dra nanda gny hangalaky gny mariky gny bibi-dia teo amigny handriany na teo amigny tagnany. Avy velo ndraiky ereo, dra nazaka nindray tamin'i Kristy nandrisigny arivo tao.5Gny Amin'ireo maty dra sy velo mandra-pahatapisy gny arivo tao. Izay gny fisanganany volohany. 6Sambasy dra masy zay olo mana azara amigny fisangana volohany! Eo agnatrehaizay dra sy mana-kery gny faty faharo. Ereo dra ho pisoro an'i Zagnahary vo Kristy dra hazaka mindray aminazy mandrisy gny arivo tao.7Gny tapisy gny arivo tao,Dra hohaha so amigny tragnomezy devoly. 8Hiboaky izy ba hamitaky gny firenena maro egny amigny vaza-tany efasy__Goga vo Megogo__ ba hinday anazy dra ho maro manahaky gny fasy gny ranomasy.9Niakasy eo agnabon'NY tany lemaky ereo dra nagnodidy gny tanin'ereo pino, gny tana malala. Nefa nisy afo nizoso avy tagny an-dagnisy dra nandroaky anazy reo. 10Gny debolt, say namitaky anazy , era natoraky ao amigny farihy afo solifara, toera zay hanorasy gny bibi-dia vo gny paminany sandoky. Dra hapizaly andro amihariva mandrakizay dra mandrakizay ereo.11Dra nahita seza fiandrianana fosy lahibe zaho vo gny nitobohany eo agnabony. Gny tany vo gny lagnisy dra nandososy gny agnatrehany, kanefa sy misy toera andehanan'ereo. 12Nahita gny maty zaho__ gny lahibe dra gny masaisaiky__nisanga eo alohany seza fiandrianana, dra nibelariny ereo boky. Dra jisy boky raiky nibelariny__Gny Bokin'ny fiegna. Gny maty dra nizarany araky zay voasorasy ao amin'ereo boky, araky reo asany.13Gny ranomasy namoaky agny maty ze teo agnatiny. Gny fahafatesa va reo fiaigna sihita dra nagnaboaky gny maty dra nisara araky gny raha natao.14Gny fafatesa vo gny fiaigna sy hita dra naria taoa migny farihy afo. Izaho gny fahafatesa faharo__dra gny farihy afo.15Raha nisy agnara sy hita dra naria tao amin'gny Bokin'ny fiaigna, dra naria tao amin'gny farihy afo.
Chapter 21

1Avy eto zaho nahita lagnisy vaovao vo tany vaovao, fa simisy gny lagnisy volohany vo gny tany volohany, dra simisy sasy gny ranomasina. 2Hitako gny tana masy, Jerosalema vaovao, ze nibisy boakagny andagnisy avy amin'Andriamanitra voaoma manahaky gny ampekary ampihago ho an'ny valiny.3Nahare feo mahery avy amigny seza fiandrianana zaho manao ho: Indro! eo amigny olo gny misy anazy taberna- kelin'Andriamanitra, vo hiay miaraky aminazy ereo izy. Ho olo izy ereo, vo Andriamanitra tegnany hiaraky aminazy ereo vo Izy ho Andriamanitr'izy ereo.4hamafagny ranomaso aby amigny mason'izy reo izy vo sy hisy fahafatesa sasy, na alahelo, na tomagny, na fahararia fa lasa gny raha taloha.5Gny raiky izay nitoboky teo amigny seza fiandriana nizaka ho:"Ingo!Nataoko vaovao gny raha aby."Hoy izy:"Sorato izao satria itahoky aby dra matoky vo marina." 6Hoy izy taminahy ho:" Fa vita reo raha aby! Izaho gny Alfa vo Omega, gny fanombohany co fiarany. Izy nangetaheta dra hameko ho nomy maimaipoa avy amigny loharanon'NY fiegna.7Izay mandresy dra handova reo raha reo, dra Izaho gny ho Zagnaharyiny, dra izy ho zanako. 8Fa reo osa, sy manapinoa, mampangelakelaky, pamono olo, pizangazanga, panao oly, panopo sapy, sy mavandy, dra agny amigny farihy mirehisy afo solifara gny tobohan'ereo. Izay gny fahafatesa faharo."9Nagnato anahy gny babany tamin 'ireo azely fito, gny raiky izay nana reo ampondra fito feno reo loza fito tarany, dra hoy izy ho:"Avy Atiky. Hatoroko snap gny hapekary, gny valin'NY zanak'agnondry. " 10Avy eo dra nandesiny tamigny fagnahy tagny amigny tendrombohisy abo zaho dra natorany anahy gny Jerosalema tana masy mizosoa any agny an-dagnisy avy am'i Zagnahary.11Nana gny voninahin'iZagnahary I Jerosalema, dra gny famirapiratany dra manahaky gny vato soa sarobily, manahaky gny vato kristaline jaspa malio. 12Nana rindry abo lahibe nindray tamigny vavahady ro ambin'ny folo teo amin'ereo vavahady.Teo amin'ereo vavahady gny voasorasy gny agnaran'ereo foko ro ambin'ny fokon'NY zanak'Israely. 13Nisy vavahady telo eo asignana, vavahady telo eo avarasy, vavahady telo eo asimo, dra vavahady telo eo andrefa.14Nana fototra to ambin'ny folo gny rindrin'NY tana, dra eo amin'ereo gny nisy reo agnara ro ambin'ny fokon'NY apostolin'ny Zanak'agnondry. 15Gny raiky zay nizaka vta tamigny volamena ba handrefesa gny tana, reo vavahadiny, dra gny narindriny.16Manahaky efa-zoro gny tana; mitovy gny labany vo gny sakany. Nandresy gny tana tamigny fandrese volotara izy, roarivo stadio gny halavany (mitovy gny labany, sakany, dra hahabony). 17Nandrefy gny rindrin'NY Kia izy, 114 hakiho gny refin'NY olo (say refin'NY azely avo koa).18Vita tamigny Jispy gny rindry dra tamigny volamena sy misy fangarony,manahaky gny fitarasy malio. 19Gny fotosigny rindry dra voaravaky am'ireo karaza vato sarobily aby. Gny volohany dra Jispy, gny faharo safira, gny fahatelo kalkedona, gny fahefasy emeralda, 20Gny fahadimy sardinia, gny fahaenina karneola, gny fahafito krysolita, gny fahavalo beryl, gny fahadivy topaza, gny fahafolo krysopraso, gny faharaikam-binifolo jacinta, gny faharoam-binifolo amethysts.21Gny vatrangara ro ambin'ny folo; gny sirairaiky anin'ereo vavahady dra vita tamign'ny vato soa raiky. Ereo lalam-be teo an-tana dra volamena sy misy fangarony, manahaky gny fitarasy mangarahara.22Sy nahita tempoly tao amigny tana zaho, satria Tompo Andriamanitra Tsitoha vo gny Zanak'ondry gny tempoliny.23Gny tana dra sy mitalia masoandro na vola ba namirapirasy amizay satria gny voninahin'Izagnahary dra namirapirasy taminazy, dra gny zanak'agnondry gny lion'izay.
26Hinday gny fahasoava vo gny hazan'ireo firenena ao amizay ereo, 27Dra sy hisy maloto hilisy ao amizay mihisy. Sy hisy na iza na iza hanao raha mahamegnasy na mamitaky hilisy ao, fa reo ze voasorasy agnara ao amigny Bokinigny zanak'agnondrinigny fiegna avo.
Chapter 22

1Dra nasehinigny azely anahy gny oninigny ranony fiegna, malio manahaky gny kristaly. Izay dra mikoria boaky agny amigny seza fiandriagnan'Agnahary vo gny zanak'agnondry 2mamakivaky eo agnevonigny lalanigny tanà. Dra gny andagniny ro amigny ony dra samby misy gny hazonigny fiegna, mamoa karaza voa ro ambiny folo, vo izay dra mamoa gny tegnany isam-bola. Gny ravin'izay hazo zay dra natao hagnasitrany gny firenena aby.3Dra sy hisy sasy gny voahozo. Gny seza fiandrianan'Agnahary vo gny zanak'agnondry dra ho ao amigny tanà, dra reo panopony dra hanopo anazy. 4Hahita gny Endriny ereo, dra gny agnarany dra ho eo amigny handrin'ereo. 5Dra sy hisy hariva sasy; ereo dra sy mitalia fahazavan'gny ziro na gny masoandro sasy gny Topo Zagnahary gny hazava eo amin'ereo. Dra hazaka mandrakizay doria ereo.6Hoy gny azely taminahy: "Ty zaka tahoky dra azo atokisa vo mary. Gny Topo, gny Zagnaharin'ireo fagnahin'ireo paminany, dra nandefa gny azeliny ba hapiseho ze raha sy maisy hitranga sy ho ela amireo panopony." 7Ingo! fa mariny gny fihaviako! Sambasy ze makato reo zakanigny faminania amity boky tihoky."8Izaho, Jaona, gny raiky ze nahare vo nahita reo raha reo.Gny fa nahare vo nahita anizay zaho, dra nekohoky teo amigny tombokigny azely gny vatako ba hidera anazy, gny azely ze napiseho anahy reo raha reo. 9Hoy izy taminahy: "Ka manao anizay! Fa panopo namanao miaraky aminao zaho, miaraky amireo paminany rahalahinao, dra miaraky amireo ze makato reo zakanity boky tihoky. Midera an'Agnahary!"10Hoy izy taminahy: "Ka asia tombo-kase reo zakanigny faminania amity boky tihoky, fa atomosy gny fotoa.11Ze manao gny sy mary, angao izy hanohy gny sy fahamarigna. Ze maloto fiegna. Ze mary, angao izy hanohy gny fanova gny mary. Ze masy, angao izy hanohy gny fahamasigna."12"Ingo! fa mariny gny fihaviako. Gny valisoako dra miaraky aminahy, ba hamaliako gny sirairay araky gny raha-vitany. 13Izaho gny Alfa vo i Omega, gny volohany vo gny farany, gny fiandoha vo gny fiafara.14Sambasy reo ze manasa gny akazon'ereo ba hahazo alala mihina boaky amigny hazonigny fiegna vo hilisy ao amigny tanà boaky eo amigny vavahady. (Fagnamaria: Raha tokony: "Sambasy reo ze manasa gny akazon'ereo." Reo atota-taratasy hafa taloha dra mivaky ho: "Sambasy reo ze manao gny liliny.") 15Fa agny ivelany reo amboa, reo panao oly, reo pizangazanga, reo pamono olo, reo panopo sapy, dra ze tia mavandy aby16Izaho, Jesosy, dra nandefa gny azeliko ba hitalily amindrareo gny raha ho anireo fengo. Izaho gny vahany vo taranak'i Davida, gny kita mamirapirasy maray."17Gny Fagnahy vo gny Ampakary manao anizaohoky ho: "Avia!" Aoka ze mahare hizaka ho: "Avia!" Na iza na iza mangetaheta, aoka izy hahazo maimai-poa gny ranonigny fiegna.18Izaho dra mitalily amize mahare gny zakanigny faminania amin'ity boky tihoky aby: "Raha misy magnapy reo, Zagnahary hagnapy loza ho anazy ze voasorasy ao amin'ity boky tihoky.19Raha misy mangalaky gny zaka faminania amin'ity boky tihoky, Zagnahary dra hangalaky gny azarany amigny hazonigny fiegna vo gny tana masy ze voasorasy ao agnatin'ity boky tihoky." (fagnamariha: Gny atota-taratasy taloha dra miavaky ho: "Zagnahary hangalaky gny azarany ao amigny Bokinigny fiegna vo ao amigny tana masy ze voasorasy ao amity boky tihoky.")20Hoy gny raiky ze mizaka reo raha reo: "Eh! Fa mariny gny fihaviako." Amena! Mevia, ry Topo Jesosy! 21Ho amigny olon'aby anie gny fahasoavanigny Topo Jesosy. Amena.