Tanala: Bible for 1 Corinthians, 1 John, 1 Kings, 1 Peter, 1 Samuel, 1 Thessalonians, 1 Timothy, 2 Chronicles, 2 Corinthians, 2 John, 2 Kings, 2 Peter, 2 Samuel, 2 Thessalonians, 2 Timothy, 3 John, Acts, Colossians, Daniel, Ecclesiastes, Ephesians, Esther, Galatians, Habakkuk, Haggai, Hebrews, Isaiah, James, Jeremiah, Job, John, Jonah, Joshua, Jude, Judges, Lamentations, Luke, Malachi, Mark, Matthew, Micah, Nehemiah, Numbers, Philemon, Philippians, Revelation, Romans, Ruth, Titus, Zechariah

Formatted for Translators

©2022 Wycliffe Associates
Released under a Creative Commons Attribution-ShareAlike 4.0 International License.
Bible Text: The English Unlocked Literal Bible (ULB)
©2017 Wycliffe Associates
Available at https://bibleineverylanguage.org/translations
The English Unlocked Literal Bible is based on the unfoldingWord® Literal Text, CC BY-SA 4.0. The original work of the unfoldingWord® Literal Text is available at https://unfoldingword.bible/ult/.
The ULB is licensed under the Creative Commons Attribution-ShareAlike 4.0 International License.
Notes: English ULB Translation Notes
©2017 Wycliffe Associates
Available at https://bibleineverylanguage.org/translations
The English ULB Translation Notes is based on the unfoldingWord translationNotes, under CC BY-SA 4.0. The original unfoldingWord work is available at https://unfoldingword.bible/utn.
The ULB Notes is licensed under the Creative Commons Attribution-ShareAlike 4.0 International License.
To view a copy of the CC BY-SA 4.0 license visit http://creativecommons.org/licenses/by-sa/4.0/
Below is a human-readable summary of (and not a substitute for) the license.
You are free to:
The licensor cannot revoke these freedoms as long as you follow the license terms.
Under the following conditions:
Notices:
You do not have to comply with the license for elements of the material in the public domain or where your use is permitted by an applicable exception or limitation.
No warranties are given. The license may not give you all of the permissions necessary for your intended use. For example, other rights such as publicity, privacy, or moral rights may limit how you use the material.

Numbers

Chapter 1

1Nivoria tamin'i Mosesy teo amin'ny tragno lay fihôgnana tagne an-tany efitr'i Sinay i Yaveh. Nipoitre ijany tamin'ny andro vôlohane tamin'ny volagna faharoe nandritra ny taogna faharoe tafaran'ny nivoahan'ny fokon'olon'Israely laha tagne amin'ny tany Egypta. Hoy Yaveh: 2"Mitarita fagnisam-pokon'olo amin'ny lelahin'Israely abiaby isan-tokone, ao amin'ny havan'iaban-dreo. Isay amin'ny agnarane areo. Isay ny lelahy abiaby, ny lelahy kiraidraike aby 3ijay rôpolo taogna na mihôtre. Isay aby ireo ijay afaka miady ho miaramila hôn'Israely. Ôka hiriketinao sy Arona an-tsoratre ny isan'ny lelahy amin'ny vondron-dreo mitam-pediana.4Lelahy raike laha tamin'ny foko kiraidraike aby, lohan'antoko raike, no ôka hanompo miaraka aminao ho mpitari-pokone. Ny mpitarika kiraidraike aby die tsy mentsy mitarika ny lelahy ijay hiady hôn'ny fokone. 5Ito ny agnaran'ny mpitarike ijay tsy mentsy miady miaraka aminao: Laha tamin'ny fokon'i Robena, Elizora, janak'i Sedeora; 6laha tamin'ny fokon'i Simeona, Selomiela janak'i Zorisaday;7laha tamin'ny fokon'i Joda, Nasona janak'i Aminadaba;8 laha tamin'ny fokon'i Isakara, Natanela janak'i Zoara;9 laha tamin'ny fokon'i Zebolona, Eliaba janak'i Helona;10laha tamin'ny fokon'i Efraima janak'i Josefa, Elisama janak'i Ahimoda; laha tamin'ny fokon'i Manase, Gamaliela janak'i Pedazora;11 laha tamin'ny fokon'i Benjamina,Abidana janak'i Gideony;12laha tamin'ny fokon'i Dana, Ahiezera janak'i Amisady;13 laha tamin'ny fokon'i Asera, Fagiela janak'i Okrana; 14laha tamin'ny fokon'i Gada, Eliasafa janak'i Doela; 15laha tamin'ny fokon'i Naftaly, Ahira janak'i Enana."16Ireo ny lelahy vôtondro teo amin'ny olo. Nitarika ny fokon'ny rajambene areo. Areo ny mpitarika ny antoko tao Israely.17Nalain'i Mosesy sy Arona ireo lelahy ireo, ijay niriketine an-tsoratra araka ny agnarana, 18ka niaraka tamin'ireo lelahy ireo die navorin-dreo ny lelahy abiaby tamin'Israely tamin'ny andro vôlohan'ny volagna faharoe. Ka ny lelahy rôpolo taogna na mihôtre kiraidraike aby die namantatra ny rajambene. Tsy mentsy nagnome agnarana ny antoko sy havana taranaka aby amin'ny rajambene ijy.19 Die niriketin'i Mosesy an-tsoratre ny isan-dreo tagne an-tany efitr'i Sinay, araka ny nandidian'i Yaveh hamboarine.20Nisaina ny agnaran'ny lelahy abiaby ijay rôpolo taogna na mihôtre afaka mienga an'ady laha tamin'ny taranak'i Robena, lahimatoan'i Israely, laha tamin'ny fireketana an-tsoratre ny antokon'ny rajambene sy ny havan-dreo.21 Niisa 46.500 lahy areo laha tamin'ny fokon'i Robena.22Nisaina ny agnaran'ny lelahy abiaby ijay rôpolo taogna na mihôtre afaka mienga an'ady laha tamin'ny taranak'i Simeona, laha tamin'ny fireketana an-tsoratre ny antokon'ny rajambene sy ny havan-dreo. 23Niisa 59.300 lahy areo laha tamin'ny fokon'i Simeona.24Nisaina ny agnaran'ny lelahy abiaby ijay rôpolo taogna na mihôtre afaka mienga an'ady laha tamin'ny taranak'i Gada, laha tamin'ny fireketana an-tsoratre ny antokon'ny rajambene sy ny havan-dreo. 25Niisa 45.650 lahy areo laha tamin'ny fokon'i Gada.26Nisaina ny agnaran'ny lelahy abiaby ijay rôpolo taogna na mihôtre afaka mienga an'ady laha tamin'ny taranak'i Joda, laha tamin'ny fireketana an-tsoratre ny antokon'ny rajambene sy ny havan-dreo. 27Niisa 74.600 lahy areo laha tamin'ny fokon'i Joda.28Nisaina ny agnaran'ny lelahy abiaby ijay rôpolo taogna na mihôtre afaka mienga an'ady laha tamin'ny taranak'i Isakara,laha tamin'ny fireketana an-tsoratre ny antokon'ny rajambene sy ny havan-dreo.29 Niisa 54.400 lahy areo laha tamin'ny fokon'i Isakara.30Nisaina ny agnaran'ny lelahy abiaby ijay rôpolo taogna na mihôtre afaka mienga an'ady laha tamin'ny taranak'i Zebolona, laha tamin'ny fireketana an-tsoratre ny antokon'ny rajambene sy ny havan-dreo. 31Niisa 57.400 lahy areo laha tamin'ny fokon'i Zebolona.32Nisaina ny agnaran'ny lelahy abiaby ijay rôpolo taogna na mihôtre afaka mienga an'ady laha tamin'ny taranak'i Efraima, laha tamin'ny fireketana an-tsoratre ny fianakaviam-ben'ny rajambene sy ny havan-dreo. 33Niisa 40.500 lahy areo laha tamin'ny fokon'i Efraima.34Nisaina ny agnaran'ny lelahy abiaby ijay rôpolo taogna na mihôtre afaka mienga an'ady laha tamin'ny taranak'i Manase, laha tamin'ny fireketana an-tsoratre ny antokon'ny rajambene sy ny havan-dreo. 35Niisa 32.200 lahy areo laha tamin'ny fokon'i Manase.36Nisaina ny agnaran'ny lelahy abiaby ijay rôpolo taogna na mihôtre afaka mienga an'ady laha tamin'ny taranak'i Benjamina, laha tamin'ny fireketana an-tsoratre ny antokon'ny rajambene sy ny havan-dreo. 37Niisa 35.400 lahy areo laha tamin'ny fokon'i Benjamina.38Nisaina ny agnaran'ny lelahy abiaby ijay rôpolo taogna na mihôtre afaka mienga an'ady laha tamin'ny taranak'i Dana, laha tamin'ny fireketana an-tsoratre ny antokon'ny rajambene sy ny havan-dreo. 39Niisa 62.700 lahy areo laha tamin'ny fokon'i Dana.40Nisaina ny agnaran'ny lelahy abiaby ijay rôpolo taogna na mihôtre afaka mienga an'ady laha tamin'ny taranak'i Asera, laha tamin'ny fireketana an-tsoratre ny antokon'ny rajambene sy ny havan-dreo. 41Niisa 41.500 lahy areo laha tamin'ny fokon'i Asera.42Nisaina ny agnaran'ny lelahy abiaby ijay rôpolo taogna na mihôtre afaka mienga an'ady laha tamin'ny taranak'i Naftaly, laha tamin'ny fireketana an-tsoratre ny antokon'ny rajambene sy ny havan-dreo. 43Niisa 53.400 lahy areo laha tamin'ny fokon'i Naftaly.44Niara-nagnisa ireo lelahy abiaby ireo, niaraka tamin'ny lelahy roe ambin'ny folo ijay nitarika ny foko roe ambin'ny folon'Israely i Mosesy sy Arona. 45Ka ny lelahin'Israely rôpolo taogna na mihôtre abiaby, ny abiaby afaka miady agne an'ady, die nisaina kiraidraike tamin'ny havan-dreo. 46Niisa 603.550 lahy areo.47Fa tsy nisaina ny lelahy ijay taranak'i Levy,48 satria nivoria tamin'i Mosesy i Yaveh hoe: 49"Tsy mahajo magnisa ny fokon'i Levy anao na mampiditra an'aje amin'ny tamba-ben'ny fokon'olon'Israely.50Fa koja, tondroy i Levita hitandrigna ny tabernakelin'ny didim-pagnikena, sy hikarakara ny fanaka abiaby ao amin'ny tabernakely sy ny raha abiaby ao amin'ijay. Ôka hilanja ny tabernakely ny Levita, ka ôka hitondra ny fanaky ny tabernakely areo. Ôka hikarakara ny tabernakely sy hitoby magnodidigna an'ijay areo.51Laha mila afindra hômin'ny toeran-kafa ny tabernakely, die ôka hangala an'ijay ny Levita. Laha tokone hatoboke ny tabernakely, die ôka hametraka an'ijay ny Levita. Ijay olon-kafa magnariny ny tabernakely die tsy mentsy ho faty. 52Laha nametraka ny lainy ny fokon'olon'Israely, die ôka hagnano an'ijay eo akekin'ny faneva ijay an'ny vondrogn'ny mitam-pediana ny lelahy kiraidraike aby.53Na ijany aja, ôka hametraka ny lainy magnodidigna ny tabernakelin'ny didim-pagnikena ny Levita mba tsy ho avy amin'ny fokon'olon'Israely ny havignirako. Ôka tsy hikarakara ny tabernakelin'ny lalàn'ny fagnikem-pihavagnana ny Levita."54 Nambôtre an'ijay raha abiaby ijay ny fokon'olon'Israely. Namboarin-dreo ijay abiaby nandidian'i Yaveh tamin'ny alalan'i Mosesy.
Chapter 2

1Nivoria tamin'i Mosesy sy Arona indraike i Yaveh. Hoy ijy hoe: 2"Ny Israelita kiraidraike aby die tsy mentsy mitoby magnodidigna ny vondrogne aby, miaraka amin'ny fagnevan'ny ankohonan'iaban-dreo. Hitoby magnodidigna ny lafin'ny tragno lay fihôgnana abiaby areo.3Ny hitoby atsignanan'ny tragno lay fihôgnana egne, ijay hiposahan'ny masoandro, die areo ny tobin'ny Joda ka mitoby araka ny vondrogne areo. Nasona janaka lahin'i Aminadaba ny mpitariky ny fokon'olon'i Joda. 4Ny isan'ny fokon'olon'i Joda die 74.600.5Ny fokon'Isakara die tsy mentsy mitoby eo akekin'ny Joda. Netanela janaka lahin'i Zoara die tsy mentsy mitarika ny tafik'Isakara. 6Lelahy 54.400 ny tao amin'ny fijarane.7Ny fokon'i Zebolona die tsy mentsy mitoby agnilan'Isakara eo. Eliaba janaka lahin'i Helona no tsy mentsy mitarika ny tafik'i Zebolona. 8Miisa 57.400 ny ao amin'ny fijarane.9Miisa 186.400 ny isan'ny tobin'ny Joda Joda abiaby. Areo ny hienga vôlohane.10Agne amin'ny ilane atsimo ny hisy ny tobin'i Robena araka ny vondrogne. Ny mpitarika ny tobin'i Robena die Elizora janaka lahin'i Sedera. 11Miisa 46.500 ny ao amin'ny fijarane.12Mitoby agnilan'i Robena eo i Simeona. Ny mpitarika ny fokon'olon'i Simeona die i Selomiela janaka lahin'i Zorisaday. 13Niisa 59.300 tao amin'ny fijaran-dreo.14Ny fokon'i Gada die takeky teo. Ny mpitarika ny fokon'olon'Andriamanitra die i Eliasafa janaka lahin'i Roela. 15Miisa 45.650 ny ao amin'ny fijarane.16Miisa 151.450 ny abiaby mitoby ao amin'i Robena araka ny fijarane aby. Areo die hienga faharoe.17Magnaraka an'ijay, ny tragno lay fihôgnana die tsy mentsy mivôke ny toby miaraka amin'ny Levita eo agnivon'ny toby abiaby. Tokone hivôke ny toby araka ny filaharana nidiran-dreo tao amin'ny toby areo. Ny lelahy abiaby die tokone ho eo amin'ny toerany aby, araka ny fagnevane.18Ny fijaran'ny tobin'i Efraima die eo ambanin'ny vondron-dreo. Ny mpitarika ny fokon'olon'i Efraima die i Elisama janaka lahin'i Amihoda.19 Miisa 40.500 ny ao amin'ny fijarane.20Eo agnilan-dreo no hisy fokon'i Manase. Ny mpitarika an'i Manase die i Gamaliela janaka lahin'i Pedazora. 21Miisa 32.200 ny ao amin'ny fijarane.22Eo agnilane ny misy ny fokon'i Benjamina. Ny mpitarik'i Benjamina die Abidana janaka lahin'i Gideony. 23Miisa 35.400 ny ao amin'ny fijarane.24Miisa 108.100 ny abiaby mitoby ao Efraima. Areo ny hienga fahatelo.25Agne avaratre ny hisy ny fijaran'ny tobin'i Dana. Ny mpitarika ny fokon'olon'i Dana die Ahiezera janaka lahin'i Amisaday. 26Miisa 62.700 ny ao amin'ny fijarane.27Ny fokon'olon'ny fokon'i Asera die nitoby teo akekin'ny Dana. Ny mpitarika ny fokon'olon'i Asera die i Pagiela janaka lahin'i Okrana. 28Miisa 41.500 ny ao amin'ny fijarane.29Takekine ny fokon'i Naftaly. Ny mpitarika an'i Naftaly die i Asira janaka lahin'i Enana. 30Miisa 53.400 ny ao amin'ny fijarane.31Miisa 157.600 ny abiaby nitoby niaraka tamin'i Dana. Areo ny hienga ao amin'ny toby farane, eo ambanin'ny fagnevan-dreo."32Ireo ny isan'i Israelita araka ny havan-dreo. Ny abiaby vôisa tao amin'ny tobin-dreo, araka ny fijaran-dreo die 603.550. 33Fa Mosesy sy Arona die tsy nagnisa ny Levita tao amin'ny fokon'olon'Israely. Ijay die araka ny efa nandidian'i Yaveh an'i Mosesy.34Ny fokon'olon'Israely die nambôtre ijay abiaby nampanôvin'i Yaveh an'i Mosesy. Nitoby araka ny fanevane areo. Nivôke ny toby araka ny fokone areo, araka ny filaharan'ny havana'ny rajambene.
Chapter 3

1Ka ijao ny tantaran'ny taranak'i Arona sy Mosesy laha nivoria tamin'i Mosesy tagne amin'ny tagnambogna Sinay i Yaveh. 2Ny agnaran'ny janaka lahin'i Arona die Nadaba lahimatoa, sy Abiho, Eleazara, ary Itamara.3Io ny agnaran'ny janaka lahin'i Arona, ny mpisorogna ijay võhosotre sy vôtokagna hanompo mba ho mpisorogna.4 Fa Nadaba sy Abiho koja lavo maty teo agnatrehan'i Yaveh laha nagnome an'Aje afo tsy ajo akena tagne amin'ny efitr'i Sinay areo. Tsy nanagn'anake i Nadaba sy Abiho, ka die Eleazara sy Itamara mandy ny nanompo ho mpisorogna niaraka tamin'i Arona iaban-dreo.5Nijaka tamin'i Mosesy i Yaveh. Hoy ijy: 6"Indôsy ny fokon'i Levy ka atoroy amin'i Arona mpisorogna areo mba hagnampy an'aje.7Ôka hambôtra ny adidy amin'ny anjaran'i Arona sy ny fivondrognana manontolo eo alohakan'ny tragno lay fihôgnana areo. Ôka areo hanompo ao amin'ny tabernakely. 8Ôka hikarakara ny fanaka abiaby ao amin'ny tragno lay fihôgnana areo, ka hagnampy ny fokon'Israely hagnano ny asa fanompôna ny tabernakely.9Ôka hatolotrao an'i Arona sy ny janagne lahy ny Levita. Omena manontolo areo mba hagnampy an'aje hanompo ny fokon'olon'Israely. 10Tsy mentsy tondroinao ho mpisorogna i Arona sy ny janagne lahy, fa ijay olo hafa firenena avy magnariny die tsy mentsy vonina ho faty."11Nijaka tamin'i Mosesy i Yaveh. Hoy Ijy hoe: 12"Indro, efa nangala ny Levita hatamin'ny vahôkan'Israely Iaho. Ijany ny natako laha tokone nangala ny lahimatoa kiraidraike ijay terake tamin'ny fokon'olon'Israely. An'Ahe ny Levita.13 An'Ahe ny vôlohan-teraka abiaby. Tamin'ny andro nandrahako ny lahimatoa abiaby tagne amin'ny tany Egypta, ny nanokanako hôn'Ahe ny vôlohan-terak'Israely abiaby, na ny fokon'olo na ny biby fiompy. An'Ahe io. Iaho no Yaveh."14Nijaka tamin'i Mosesy tagne agn'efitr'i Sinay i Yaveh. Hoy ijy hoe: 15"Isay isaky ny ankohonana ny taranak'i Levy, isaky ny ankohonan'ny rajamben-dreo. Isay ny lelahy abiaby ijay ray volagna noho miakatre."16 Nagnisa an-dreo i Mosesy, araka ny jakan'i Yaveh, araka ny nandidiana an'aje hamboarina.17Ny agnaran'ny janaka lahin'i Levy die Garsona, Kohata, ary Merary. 18Ny fianakaviam-be laha tamin'ny janaka lahin'i Gersona die Libny sy Simey. 19Ny fianakaviam-be laha tamin'ny janaka lahin'i Kohata die Amrama, Izara, Hebrona, ary Oziela.20 Ny fianakaviam-be laha tamin'ny janaka lahin'i Merary die Maly sy Mosy. Io ny fianakaviam-ben'i Levita, ijay nalahatre araka ny fianakaviane aby.21Ny fianakaviam-ben'ny Libnita sy ny Simeita die laha tamin'i Gersona. Io aby ny fianakaviam-ben'ny Gersonita. 22Ny lelahy abiaby manomboka ray volagna no miakatre die nisaina, niisa 7.500. 23Ny fianakaviam-ben'ny Gersonita die hitoby eo amin'ny ilane andrefagn'ny tabernakely.24Eliasafa janaka lahin'i Laela ny tsy mentsy hitarike ny fianakaviam-ben'ny taranaky ny Gersonita. 25Ny fianakavian'i Gersona die tsy mentsy mikarakara ny tragno lay fihôgnana ka agnatin'ijay ao ny tabernakely. Hikarakara ny tragno lay areo, ny firakone, sy ny lamba ampesaina amin'ny fidirana ao amin'ny tragno lay fihôgnana. 26Tsy mentsy mikarakara ny lamban-kianja areo, ny lamba eo amin'ny fidiran'ny kianja- ny kianja ijay magnodidigna ny fitobohana masina sy ny alitara. Ôka hikarakara ny tadin'ny tragno lay fihôgnana sy ijay abiaby ao amin'aje areo.27Laha tamin'i Kohata ireo fianakaviam-be ireo: havan'ny Amramita, ny havan'ny Izarita, ny havan'ny Hebronita, ny havan'ny Ozielita. 28An'ny Kohatita ireo fianakaviam-be ireo. 8.600 lahy ray volagna loho miakatre ny efa vôisa mba hikarakara ny fanagnan'i Yaveh. 29Ny halavan'ny taranak'i Kohata die tsy mentsy mitoby megnatsimon'ny tabernakely.30Elifaza janaka lahin'i Oziela ny tsy mentsy hitarika ny fianakaviam-ben'ny Kohatita. 31Areo ny tsy mentsy mikarakara ny fiara, ny latabatra, ny fipitrahan-jiro, ny alitara, ny raha-masigna ijay ampesaina amin'ny fanompône, ny lamba, ary ny asa abiaby mahakasika an'ijay. 32Eleazara janaka lahin'i Arona mpisorogna ny tsy mentsy hitarika ny lelahy ijay mitarika ny Levita. Tokone hagnara-maso ny lelahy ijay mikarakara ny fitobohana masina ijy.33Fianakaviam-be roe ny laha tamin'i Merary: ny havan'ny Malita sy ny havan'ny Mosita. Ny fianakaviam-be ireo die laha tamin'i Merary. 346.200 lahy ray volagna loho miakatre ny efa vôisa. 35Zoriela janaka lahin'i Abihaila ny tsy mentsy hitarika ny havan'i Merary. Tsy mentsy mitoby megnavaratry ny tabernakely areo.36Ny taranak'i Merary die tokone hikarakara ny rafitry ny tabernakely, ny galane, tsanganana, faladiane, ny fitôvana abiaby, sy ijay abiaby mikasika an'io, agnatin'ijay ao 37ny andry sy tsanganan'ny kianja ijay magnodidigna ny tabernakely, miaraka amin'ny faladian'io, firaviravian-draha, sy tady.38Mosesy sy Arona ary ny janaka lahin-dreo die tsy mentsy hitoby metsignanan'ny tabernakely, eo alohakan'ny tragno lay fihôgnana, tanjo ny fiposahan'ny masoanadro. Areo ny tompon'andraikitra hôn'ny fagnatanterahana ny adidy amin'ny fitoerana masina sy ny adidy amin'ny fokon'olon'Israely. Na ija na ija olo hafa firenena magnariny ny fitoerana masina die tsy mentsy ho faty. 39Mosesy sy Arona nagnisa ny lahy abiaby tamin'ny fianakaviam-ben'i Levita ijay ray volagna loho miakatre, araka ijay nandidian'i Yaveh. Niisa roe arivo sy roe aligna areo.40Hoy Yaveh tamin'i Mosesy: "Isay ny vôlohan-teraky ny fokon'olon'Israely abiaby ijay ray volagna loho miakatre. Reso ny agnaran-dreo. 41Ôka halainao hôn'Ahe ny Levita- Iaho Yaveh- ho solon'ny vôlohan-teraky ny fokon'olon'Israely, sy ny biby fiompin'ny Levita ho solon'ny vôlohan-teraky ny biby fiompin'ny taranak'Israely."42Mosesy nagnisa ny vôlohan-teraky ny fokon'olon'Israely abiaby araka ijay efa nandidian'i Yaveh an'aje hamboarina.43 Nagnisa ny lahimatoa abiaby araka ny agnarana ijy, ray volagna loho miakatre. Nahavôisa 22.273 lahy ijy.44Nijaka tamin'i Mosesy indraike i Yaveh. Hoy ijy hoe: 45"Alay ny Levita ho solon'ny vôlohan-teraka amin'ny fokon'olon'Israely, sady alay ny biby fiompin'ny Levita ho solon'ny biby fiompin'ny fokon'olo. An'Ahe ny Levita- Iaho no Yaveh.46Mamoria sekely dimy hôn'ny fagnavotana isan'olo amin'ny vôlohan-teraky ny fokon'olon'Israely ijay mihôtre ny isan'ny Levita. 47Ampesay araka ny fegnitry ny lanjanao ny sekelin'ny fitoerana masina. Gera rôpolo ny sekely.48 Homenao an'i Arona sy ny janagne lahy ny vidim-pagnavotana ijay nomenao." 49Ka die nagnavory ny vidin'ny ny vidin'ny fagnavotana laha tamin'ireo ijay nihôtre isa tamin'ireo ijay navotan'ny Levita i Mosesy. 50Nagnangogna ny vola laha tamin'ny vôlohan-teraky ny fokon'olon'Israely i Mosesy. Nahangogna sekely 1.365 ijy, nilanjaina tamin'ny sekelin'ny fitoerana masina. 51Mosesy nagnome ny volam-pagnavotana hôn'i Arona sy ny janagne lahy. Mosesy nambôtre ijay nasain'ny jakan'i Yaveh nataone, araka ijay efa nandidian'i Yaveh an'aje.
Chapter 4

1Nivoria tamin'i Mosesy sy Arona i Yaveh. Hoy ijy hoe: 2"Manôva fagnisana an'ireo lelahin'ny taranak'i Kehata eo amin'ny Levita,araka ny fokon-dreo sy ny rajamben'ny havan-dreo. 3Isay ny lelahy abiaby ijay telopolo hatamin'ny dimampolo taogna. Ireo lelahy ireo die tsy mentsy magnatevin-daharana ny antoko mba hanompo ao amin'ny tragno lay fihôgnana. 4Ny taranak'i Kehata die tsy mentsy mikarakara ny raha masina indrindra natokagna hôn'Ahe ao amin'ny tragno lay fihôgnana.5Laha miomagna hifindra toerana ny toby, die tsy mentsy miditra ao amin'ny lay i Arona sy ny janagne lahy, manjotso ny lamba fanakonana ijay magnasaraka ny toerana masina indrindra amin'ny toerana masina ka manarogna ny fiaran'ny vavolombelogna miaraka amin'ijay. 6Tsy mentsy manarogna ny fiara amin'ny hodi-takasy areo. Tsy mentsy mamelatra lamba eo ambonin'ijay areo. Tsy mentsy apetagne ny filanjana mba hilanjana an'ijay.7Tsy mentsy mamelatra lamba manga eo ambonin'ny latabatry ny mofon'ny fagnatrehana areo. Areo die tsy mentsy mametrake ny vilia, ny fiteko, ny vilia boribory, ary ny siny fandrarahana eo ambonin'ijay. Tsy mentsy misy mofo fehijay eo ambonin'ny latabatra. 8Tsy mentsy sarognan-dreo amin'ny lamba jaky sy amin'ny hodi-takasy io. Tsy mentsy apetakan¹dreo ny filanjana mba hilanjana ny latabatre.9Tsy mentsy mangala lamba manga areo ka manarogna ny fipitrahan-jiro, miaraka amin'ny fagnilon'ijay, ny hety, ny fipitrahan-dakevogna, ary ny fipitrahan-diloilo hôn'ny fagnilo. 10Tsy mentsy atobokan-dreo ao agnatin'ny fanarognana vita amin'ny hodi-takasy ny fanôvan-jiro sy ny fitôvane abiaby miaraka amin'ijay, ka tsy mentsy atobokan-dreo eo ambonin'ny rafitra filanjana ijay. 11Tsy mentsy mamelatra lamba manga eo ambonin'ny alitara volamena areo. Tsy mentsy manarogna an'ijay amin'ny fanarognana vita amin'ny hodi-takasy areo, ka avy teo mametaka ny bao filanjana.12Tsy mentsy mangala ny fitôvana hesana abiaby agne amin'ny toerana masina areo ka mamogno an'ijay ao agnatin'ny lamba manga. Tsy mentsy manarogna an'ijay amin'ny hodi-takasy areo ka mametrake ny fitôvam-pesana eo amin'ny rafitra filanjana. 13Tsy mentsy mangala ny lakevogna amin'ny alitara areo ka mametrake lamba volomparasy eo amin'ny alitara. 14Tsy mentsy apetrakan-dreo ny rafitra filanjana ny fitôvam-pesana abiaby ijay ampesain-dreo amin'ny asan'ny alitara. Ireo fitôvana ireo die ny fitondrana afo, fitreby, lapelina,vilia famafajana. ary ny fitôvam-pesana hafa abiaby hôn'ny alitara. Tsy mentsy manarogna ny alitara amin'ny hodi-takasy areo ka avy teo mametrake ny bao filanjana.15Laha avy nanarogna tanteraka ny toerana masina sy ny fitôvam-pesana abiaby niaraka tamin'ijay i Arona sy ny janagne lahy, sady laha mifindra toerana ny toby, die tsy mentsy magnariny mba hibata ny toerana masina ny taranak'i Kehata. Laha mikitike ny fitôvana masina areo, die tsy mentsy maty. Ijao ny asan'ny taranak'i Kehata, die ny mibata ny fanaka ao amin'ny tragno lay fihôgnana. 16Eleazara janaka lahin'i Arona mpisorogna ny magnara-maso ny fikarakarana ny solika hôn'ny fagnilo, ny ditin-kajo magnitre, ny fagnatitra voa mahajatre, ary ny diloilo fagnosotre. Magnara-maso ny fikarakarana ny tabernakely manontolo sy ijay abiaby ao agnatin'ijay ijy, die ny toerana masina sy ny fitôvam-pesana abiaby miaraka amin'ijay.17Nivoria tamin'i Mosesy sy Arona i Yaveh. Hoy ijy hoe: 18"Aja avela halaina eo amin'ny Levita ny fokon'ny fianakaviam-ben'ny Kehatita. 19Arovy areo, mba ho velogna fa tsy ho faty, amin'ny alalan'ny famboarana an'ijao. Laha magnariny ny raha masina indrindra areo 20 die tsy tokone hiditra mba hijaha ny toerana masina na die fotôgna kitike aja, sandre ho faty areo. Arona sy ny janagne lahy ny tsy mentsy miditra ao, ka avy teo Arona sy ny janagne lahy die tsy mentsy manondro ny kiraidraike amin'ny Kehatita amin'ny asane aby, amin'ny andraikitrane manokagna."21Nivoria tamin'i Mosesy indraike i Yaveh. Hoy ijy hoe: 22"Mamboara mandy koa fagnisana an'ireo taranak'i Gersona, araka ny havan'ny rajamben-dreo, araka ny fokon-dreo. Isay ireo ijay telopolo hatamin'ny 23dimampolo taogna. Isay ijay abiaby hagnatevin-daharana ny antoko mba hanompo ao amin'ny tragno lay fihôgnana.24Ijao ny asan'ny fokon'i Gersonita, laha manompo areo ka mitondra entagna. 25Tsy mentsy mitondra lamba fanarognana ny tabernakely, ny tragno lay fihôgnana, ny fanarognana an'ijay, ny fanarognana vita amin'ny hodi-takasy ijay eo amin'ijay, ary ny lamba fanarognana ny fidirana ao amin'ny tragno lay fihôgnana areo. 26Tsy mentsy mitondra ny lamba fanarognana ny fitsaràna areo, ny lamba fanarognana ny vavahadin'ny fitsaràna, ijay eo akekin'ny tabernakely sy eo akekin'ny alitara, ny tadin'io, ary ny fitôvana abiaby hôn'ny fanompôn-dreo. Ijay abiaby tokone ho efa amin'ny raha io, die tsy mentsy amboarin-dreo.27Arona sy ny janagne lahy die tsy mentsy magnatoro ny asan'ny taranaky ny Gersonita abiaby, amin'ijay abiaby indôsin-dreo, ary amin'ny fanompôn-dreo abiaby. Tsy mentsy tondroinare amin'ny andrekine abiaby ijy. 28Ijay ny fanompôn'ny fokon'ny taranaky ny Gersonita hôn'ny tragno lay fihôgnana. Itamara janaka lahin'i Arona mpisorogna die tsy mentsy mitarika an-dreo amin'ny fanompône.29Tsy mentsy magnisa ny taranak'i Merary araka ny fokon-dreo anareo, ka mandahatra an-dreo araka ny havan'ny rajamben-dreo, 30manomboka amin'ny telopolo taogna loho miakatre ka hatamin'ny dimampolo taogna. Isay ijay abiaby hienga hagnatevin-daharana ny antoko sady hanompo ao amin'ny tragno lay fihôgnana.31Ijao ny andraikitran-dreo sy ny asan-dreo amin'ny fanompôn'ijy abiaby hôn'ny tragno lay fihôgnana. Tsy mentsy mikarakara ny entagnan'ny tabernakely, ny hidin'ijay, ny andry, ary ny faladia, 32miaraka amin'ny andrin'ny fitsaràna magnodidigna ny tabernakely, ny faladian'io, ny tsatokany, ary ny tadine, miaraka amin'ny fitôvane abiaby areo. Soraty araka ny agnarana ny fanaka ijay tsy mentsy indôsin-dreo.33Ijao ny asan'ny fokon'ny taranak'i Merary, ijay amboarin-dreo hôn'ny tragno lay fihôgnana, eo ambany fitaritan'Itamara janaka lahin'i Arona mpisorogna."34Mosesy sy Arona ary ny mpitarika ny fivondrognana ny nagnisa ny taranak'i Kehatita araka ny fokon'ny rajamben-dreo. 35Nisain-dreo manomboka amin'ny telopolo ka hatamin'ny dimampolo taogna areo. Nagnisa an'ijay abiaby hagnatevin-daharana ny antoko mba hanompo ao amin'ny tragno lay fihôgnana areo. 36Olo 2.750 ny vôisan-dreo araka ny tokone.37Mosesy sy Arona die nagnisa ny olo abiaby tao amin'ny foko sy ny havan'ny Kehatita ijay manompo ao amin'ny tragno lay fihôgnana. Tamin'ny famboarana an'ijay, die nankatò ijay nididin'i Yaveh hamboarin-dreo tamin'ny alalan'i Mosesy areo.38Ny taranak'i Gersona die nisaina tao amin'ny fokon-dreo, araka ny ankohonan'ny havan-dreo,39 manomboka amin'ny telopolo ka hatamin'ny dimampolo taogna, ijay abiaby hiditra ao amin'ny antoko mba hanompo ao amin'ny tragno lay fihôgnana. 40Ny olo abiaby, die nisaina araka ny fokon-dreo sy ny ankohonan'ny rajamben-dreo aby, 2.630 isa.41Mosesy sy Arona die nagnisa ny fokon'ny taranak'i Gersona ijay hanompo ao amin'ny tragno lay fihôgnana. Tamin'ny famboarana an'ijay, die nankatò ijay nididin'i Yaveh hamboarin-dreo amin'ny alalan'i Mosesy areo.42Ny taranak'i Merary die nisaina tao amin'ny fokon-dreo araka ny ankohonan'ny rajamben-dreo, 43manomboka amin'ny telopolo ka hatamin'ny dimampolo taogna, ijay abiaby hiditra ao amin'ny antoko mba hanompo ao amin'ny tragno lay fihôgnana. 44Ny olo abiaby, die nisaina araka ny fokon-dreo sy ny ankohonan'ny rajamben-dreo aby, 3.200 isa.45Nagnisa an'io olo abiaby io i Arona sy Mosesy, die ny taranak'i Merary. Tamin'ny famboarana an'ijay, die nankatò ijay nididin'i Yaveh hamboarin-dreo tamin'ny alalan'i Mosesy areo.46Ka nagnisa ny Levita abiaby araka ny fokon-dreo tao amin'ny havan'ny rajambene 47nanomboka tamin'ny telopolo ka hatamin'ny dimampolo taogna i Mosesy, Arona, ary ny mpitarik'Israely. Nisain-dreo ijay abiaby hiasa ao amin'ny tabernakely, sy ijay hitondra sady hikarakara ny fanaka ao amin'ny tragno lay fihôgnana. 48Olo 8.580 ny vôisan-dreo.49Araka ny nididin'i Yaveh, die nagnisa ny olo kiraidraike i Mosesy, araka ny karajagn'asa ijay nanondrôna an'aje aby. Nagnisa ny olo kiraidraike araka ny karajan'andraikitra nisahagnine aby ijy. Tamin'ny famboarana an'ijay, die nankatò ijay nididin'i Yaveh hamboarin-dreo tamin'ny alalan'i Mosesy areo.
Chapter 5

1Yaveh nivoria tamin'i Mosesy. Hoy ijy hoe: 2"Didio ny fokon'olon'Israely mba handrôka ny abiaby misy aretin-koditre hienga tao amin'ny toby, ary ijay misy ratre mitsike, ary ijay abiaby maloto tamin'ny fikasihana faty. 3Na lelahy na viave, die tokone hampengainao tao amin'ny toby areo. Tokone tsy handoto ny toby areo, satria ao Iaho no mitoboke."4 Die nagnano an'ijay ny fokon'olon'Israely. Die nalefan-dreo hienga tao amin'ny toby areo, araka ny nandidian'i Yaveh an'i Mosesy. Die nankatò an'i Yaveh ny fokon'olon'Israely.5Nivoria tamin'i Mosesy Mosesy indraike Yaveh. Hoy ijy: 6"Mivoriana amin'ny fokon'olon'Israely. Laha magnano fahotana ny lelahy na viave manahaka ny famboarin'olo, ka tsy matoky an'Ahe, die diso ijay olo ijay. 7Ka tsy mentsy magneky ny hadisoane ijay efa vitane ijy. Tsy mentsy honerane tanteraka ny vidin-kelokane ka hagnampy ny avo dimy heny amin'ny vidine. Tsy mentsy hagnome an'ijay amin'ny raike ijay namboarane ny tsy mety ijy.8Fa laha tsy managna havana marivo mba handray ny onitre ny niharan'ny tsy mety, die tsy mentsy honerane amin'Ahe amin'ny alalan'ny mpisorogna ny vidin-kelokane, miaraka amin'ny ondry raike ho fagnavotana ny tegnane.9 Ny fagnatitry ny fokon'olon'Israely abiaby, ny raha ijay natokagna sady nindôsina tagne amin'ny mpisorogna laha tamin'ny fokon'olon'Israely, die hôn'aje aby. 10Ny fagnatitry ny olo abiaby die hôn'ny mpisorogna; laha misy magnome raha hôn'ny mpisorogna, die hôn'aje ijay."11Die nivoria tamin'i Mosesy Mosesy indraike i Yaveh. Hoy ijy: 12"Mivoriana amin'ny fokon'olon'Israely. Jakay areo hoe: 'Reso hoe mivadika ny sakejan-dralelahy ka magnota amin'ny sakejane.13Ary reso hoe misy lelahy hafa miara-matory amin'aje. Amin'ijay, die vôloto ijy. Na die tsy hitan'ny sakejane aja ijay na fantany ny momban'ijay, ka na die misy na raike aja mahatratra an'aje eo am-pamboarana an'ijay ka tsy misy na raike aja mitsangagna vavolombelogna mitory an'aje, 14na die ijay aja, ny fagnahin'ny hasarotam-piaro die magnambara hatagne amin'ny lahy fa vôloto ny sakejane. Kanefa, ny fagnahin'ny hasarotam-piaro die ho avy hivande amin'ny lelahy laha tsy vôloto ny sakejane.15Amin'ny tranga manahaka an'ijay, ny lelahy die tokone hitondra ny sakejane ho agne amin'ny mpisorogna. Tsy mentsy mitondra fagnatitra sotroina hôn'aje ny sakejane. Tsy mentsy hitondra kobam-bary ampahafolon'ny efaha ijy. Tsy mahajo mandraraka menake na ditin-kajo magnitre amin'ijay ijy satria fagnatitra varin'ny hasarotam-piaro ijay, fagnatitra hohanina ho famantarana ny mety ho fisian'ny fahotana.16Ôka hitondra an'aje marivo ka hametraka an'aje eo agnatrehan'i Yaveh ny mpisorogna. 17Ôka hangala ny sinin-drano vôhasigna sady hangala botany laha tamin'ny tanin'ny tabernakely ny mpisorogna. Ôka hagnisy ny botany ao agnatin'ny rano ijy.18Ny mpisorogna hametraka ny viave eo agnatrehan'Andriamanitra ka hanatake ny volo eo an-dohan'ilay viave. Hapetagne eo amin'ny tagnane ny fagnatitra voa fahatserovana, ijay fagnatitra voan'ny ahiahy. Hitagna ny rano mafaike ijay mety hitondra tsitsike amin'ny tagnane ny mpisorogna. 19Hametraka ilay viave hômbanin'ny fifantane ny mpisorogna ka hijaka amin'aje hoe: "Laha mbola tsy nisy lelahy hafa nagnano firesana ara-nofo taminao, sady laha tsy naniasia sy nagnano fahalotoana, die afaka amin'itoy rano mafaike ijay mety hitondra tsitsike itoy.20Fa laha anao, ijay viave vôfehin'ny sakejane, no efa naniasia, ka laha vôloto anao, ka laha nisy lelahy hafa niara-natory taminao, 21die, (tsy mentsy ny mpisorogna ny mampambôtre fifantana ijay afaka mitondra ny tsitsike amin'aje amin'ilay viave, die tsy mentsy hanohy voria amin'ilay viave ijy) 'Yaveh hagnano anao agnaty tsitsike ijay hatoro amin'ny fokon'olonao hanahaka an'ijay. Die hipoitre ijay laha atan'i Yaveh miha lò ny fenao ka mivonto ny trokanao. 22Itoy rano ijay mitondra tsitsike itoy die hiditra ao amin'ny vavogninao ka hampivonto ny trokanao ary harary ny fenao.' Die ôka hamaly raviave hoe: "Ieke, abilay hipoitre ijay laha diso iaho.'23Ôka hanoratra ito tsitsike ito ao amin'ny horognan-taratasy ny mpisorogna, ka ôka hidiovine ao amin'ny rano mafaike ny tsitsike vôsoratre.24Ôka hampisotro ny rano mafaike an'ijay mitondra tsitsike hôn'ny viave ny mpisorogna. Ny rano ijay mitondra tsitsike die hiditra amin'aje ao ka hanjary hangidy. 25Ôka hangala ny fagnatitra voan'ny hasarotam-piaro amin'ny tagnan'ny viave ijy. Ôka hitagna ny fagnatitra voa eo agnatrehan'i Yaveh ka hitondra an'ijay eo amin'ny alitara ijy. 26Ôka hangala fagnatitra voa fenon'ny tagnana ho fagnatitra fanehoana ny mpisorogna, ka hagnoro an'ijay eo amin'ny alitara. Die ôka homene ny viave ny rano tena mafaike mba hisotroine.27Laha omene an'aje ny rano hisotroine, laha vôloto satria nagnota tamin'ny sakejane ijy, die hiditra amin'aje ny rano ijay mitondra tsitsike ka hanjary hangidy. Hivonto ny trokane ka harary ny fene. Ho vôtsitsike eo amin'ny olone ilay viave. 28Fa laha tsy vôloto koja ilay viave ary laha madio ijy, die tsy mentsy hafahana. Ka afaka hanagna anaka ijy.29Ijany ny lalàn'ny hasarotam-piaro. Ijay ny lalàna hôn'ny viave ijay mivily amin'ny sakejane ka vôloto. 30Ijay ny lalàna hôn'ny lelahy managna ny fagnahin'ny hasarotam-piaro laha saro-piaro amin'ny sakejane ijy. Ôka ijy hitondra ny viave eo agnatrehan'i Yaveh, ka ôka ny mpisorogna hagnano amin'aje ijay abiaby vôfaritr'io lalànan'ny hasarotam-piaro io.31Ka die ho afaka amin'ny fahadisoana ny amin'ny fitondrana ny sakejane teo amin'ny mpisorogna ny lelahy. Ôka hitondra ny heloka ijay mety hanagnane ilay viave.
Chapter 6

1Yaveh nijaka tamin'i Mosesy. Hoy ijy hoe: 2" Mivoriana amin'ny fokon'olon'Israely. Voriano amin-dreo hoe: 'Laha misy lelahy na viave mitoka-tegna hôn'i Yaveh amin'ny voady manokagn'ny Nazirita, 3die ôka hifady dovay na java-pisotro mahery ijy. Ôka tsy hisotro vinaingitra natao tamin'ny dovay na tamin'ny java-pisotro mahery ijy. Ôka tsy hisotro ranom-bôloboke ijy na hihinagna vôloboke tsara na vôloboke maigna.4 Amin'ny andro abiaby ijay hitokagnane hôn'Ahe, die ôka tsy hihinagna na ino na ino ijay vita amin'ny vôloboke ijy, agnisan'ijay ny raha abiaby vita hatamin'ny vône ka hatamin'ny hodine.5Mandritra ny fotôgnan'ny voadim-pitokagnane abiaby, die tsy hisy hety hampesaina amin'ny lohane madra-pahatapitry ny andron'ny fitokagnane hôn'i Yaveh. Ôka hatokagna hôn'i Yaveh ijy. Ôka hagnavela ny volone hihalava amin'ny lohane ijy.6Mandritra ny fotôgna abiaby ijay hitokagnane hôn'i Yaveh, die tsy hagnarivo faty ijy. 7Ôka tsy handoto ny tegnane ijy ieke fa na die hôn'iabane, iendrine, rahalahine, na anakavine aja, laha maty areo. Ijay die satria efa nitokagna hôn'Andriamanitra ijy, ijay hitan'ny olo amin'ny halavan'ny volone.8 Mandritra ny fotôgnan'ny fitokagnana abiaby die masina ijy, vôtokagna hôn'i Yaveh.9Laha misy olo maty tampoke marivo eo ka mandoto ny lohane vômasina, die ôka hibory ny lohane ijy amin'ny andron'ny fagnadiovana an'aje- amin'ny andro fahafito ny tsy mentsy hiboriane an'ijay.10Amin'ny andro fahavalo die ôka hitondra voromamanga roe na jana-boromamanga roe hôn'ny mpisorogna eo amin'ny fidirana megnao amin'ny tragno lay fihôgnana ijy. 11Ôka hagnome vorogna raike ho fagnatitra nohon'ny ota ary raike hafa ho fagnatitra orôna ny mpisorogna. Ireo die hagnonitre an'aje satria nagnota tamin'ny naha-teo akekin'ny faty an'aje ijy. Ôka hagnamasigna ny lohane indraike ijy amin'ijay andro ijay.12Ôka hanoka-tegna hôn'i Yaveh mandritra ny andron'ny fagnamasignana an'aje ijy. Ôka hitondra janak'ondry lahy herintaogna ho fagnatitra noho ny heloka ijy. Ny andro nelohan'ny nandotone ny tegnane die ôka tsy hisaina, satria nilotoina ny fahamasignane.13Ijay ny lalàna momba ny Nazirita laha feno ny fotôgnan'ny fitokanane. Ôka hindôsina eo amin'ny fidirana megnao amin'ny tragno lay fihôgnana ijy. 14Ôka hagnome ny fagnatitrane hôn'i Yaveh ijy. Ôka hagnome janak'ondry lahy herintaogna sady tsy misy kilema ho fagnatitra orôna ijy. Ôka hagnome janak'ondry vavy herintaogna sady tsy misy kilema ho fagnatitra noho ny ota ijy. Ôka hitondra ondrilahy ijay tsy misy kilema ho fagnati-pihavagnana ijy. 15Ôka hitondra mofo tsy misy lalovay fenon'ny tanty, mofo vita amin'ny kobam-bary tsara toto mifangaro menake, mofo manify tsy misy lalovay najoboka tao amin'ny menake, miaraka amin'ny fagnatitra hohanina sy fagnatitra sotroina mandy koa ijy.16Ôka hagnome an'io eo agnatrehan'i Yaveh ny mpisorogna. Ôka hagnome fagnatitra noho ny otany sy ny fagnatitra orôna ijy. 17Miaraka amin'ny mofo tsy misy masirasira fenon'ny tanty, no ôka hagnomejane ny ondrilahy ho sorogna, die ny fagnati-pihavagnana hôn'i Yaveh. Ôka hagnome ny fagnatitra hohanina sy ny fagnatitra nomina mandy koa ny mpisorogna.18Ôka hibory ny lohane ny Nazirita ho fanehoana ny fitokagnane hôn'Andriamanitra eo amin'ny fidirana megnao amin'ny tragno lay fihôgnana. Ôka hangala ny volo eo an-dohane ijy ka handefa an'ijay ao agnaty afo ijay ao ambanin'ny sorogna ho fagnati-pihavagnana.19Ôka hangala ny soroky ny ondrilahy mangotrake, singa-mofo tsy misy lalovay ao amin'ny tanty, ary mofo manify tsy misy lalovay raike ny mpisorogna. Ôka hametraka an'io eo an-tagnan'ny Nazirita ijy laha avy nibory ny lohane hanehoana ny fitokagnane ijy. 20Ny mpisorogna die ôka hagnaraviravy an'io ho fagnatitra eo agnatrehan'i Yaveh, anjara masin'ny mpisorogna, miaraka amin'ny tratra ijay naraviravy sy ny fe ijay nomena hôn'ny mpisorogna. Afaran'ijay, die afaka minogna dovay ilay Nazirita.21Ijay ny lalàna hôn'ny Nazirita ijy mivoady hitondra ny fagnatitrane hôn'i Yaveh hôn'ny fitokagnane. Na ino na ino mety omene, die ôka hitandrigna ny adidin'ny voady namboarine ijy, mba hitagna ny fampagnantenana vorianin'ny lalàna hôn'ny Nazirita."'22Nijaka tamin'i Mosesy indraike Yaveh. Hoy ijy: 23"Mivoriana amin'i Arona sy ny janagne lahy. Jakay hoe: "Tsofinareo rano amin'ijao fomba ijao ny fokon'olon'Israely. Vorianinao amin-dreo hoe: 24'Hagnampy anao sy hiaro anao anie Yaveh.25Hampamirapiratra ny tavagne aminao sy hamindra fo aminao anie Yaveh.26 Hijaha anao amim-pakasitrahana sady hagnome fiadanana anao anie Yaveh."' 27Amin'ijay fomba ijay ny tsy mentsy hametrahan-dreo ny agnarako eo amin'ny fokon'olon'Israely. Die hagnampy an-dreo Iaho."
Chapter 7

1Tamin'ny andro nahefan'i Mosesy ny tabernakely, die nosorane ijay ka natokagne hôn'i Yaveh, niaraka tamin'ny fanaka abiaby. Natane manahaka an'ijay mandy koa ny alitara sy ny fanaka abiaby. Nosarane ijay ka natokagne hôn'i Yaveh. 2Tamin'ijay andro ijay die nagnome sorogna ny mpitarik'Israely, sy ny lohan'ny havan'ny rajambene. Ireo lelahy ireo ny nitarika ny foko. Areo ny nagnara-maso ny fagnisana olo tamin'ny fagnisam-pokon'olo.3 Nindôsin-dreo teo agnatrehan'i Yaveh ny fagnatitran-dreo. Nitondra sarety misarogna enina sy ahomby roe ambin'ny folo areo, ka ny mpitarika kiraidraike die nitondra ahomby raike. Nitondra sarety raike isaky ny mpitarika roe aby areo, ka ny mpitarika kiraidraike die nitondra ahomby raike aby. Naterin-dreo teo agnatrehan'ny tabernakely io raha abiaby io.4Die nivoria tamin'i Mosesy i Yaveh. Hoy ijy hoe: 5"Ekeo ny fagnatitra laha tamin-dreo ka ampesay hômin'ny asa ao amin'ny tragno lay fihôgnana ny fagnatitra. Omeo an'i Levita ny fagnatitra, die amin'ny kiraidraike araka ny ilain-dreo amin'ny asane aby."6Nalain'i Mosesy ny sarety sy ny ahomby, ka nomene ny Levita. 7Nagnome sarety roe sy ahomby efatre hôn'ny taranak'i Gersona ijy, nohon'ny filan-dreo amin'ny asane. 8Nagnome sarety efatre sy ahomby valo hôn'ny taranak'i Merary ijy, ho eo amin'ny fehian'i Itamara janak'i Arona mpisorogna. Natane ijay noho ijay nitakin'ny asan-dreo.9Fa tsy nagnome na ino na ino tamin'io raha io hôn'ny taranak'i Kehata ijy, satria ny an-dreo die asa mifandraika amin'ny raha ijay an'i Yaveh ijay hibataina eo an-tsorokane.10Nagnome ny fagnomejane ny mpitarika mba hôn'ny fitokagnana ny alitara tamin'ny andro ijay nagnosoran'i Mosesy ny alitara. Nagnome ny sorognane teo alohakan'ny alitara ny mpitarika. 11Hoy Yaveh tamin'i Mosesy hoe: "Ôka ny mpitarika kiraidraike hagnome ny sorognane amin'ny androne aby hôn'ny fitokagnana ny alitara."12Tamin'ny andro vôlohane, die Nasona janak'i Aminadaba, laha tamin'ny fokon'i Joda, ny nagnome ny sorognane. 13Ny sorognane die vilia volafotsy raike milanja sekely 130 sy vilia jobo raike milanja sekely fitopolo, araka ny sandan'ny lanjan'ny sekelin'ny toerana masina. Io raha io die samby feno dovay sy lafarinina tsara toto mifangaro menake hatao fagnatitra hohanina. 14Nagnome vilia volamena raike milanja sekely folo sady feno ditin-kajo magnitre ijy.15Nagnome vatotr'ahombilahy raike, ondry raike, ary janak'ondry lahy herintaogna, ho fagnatitra orôna ijy. 16Nagnome osilahy ho fagnatitra nohon'ny ota ijy. 17Nagnome ahomby roe, ondry dimy, osilahy dimy, ary janak'ondry lahy dimy ijay herintaogna, ho sorogna hatao fagnati-pihavagnana ijy. Ijay ny sorogn'i Nasona janak'i Aminadaba.18Tamin'ny andro faharoe, Netanela janak'i Zoara, mpitarik'Isakara, ny nagnome ny sorognane. 19Nagnome vilia volafotsy milanja sekely 130 sy vilia jobo milanja sekely fitopolo ijy ho sorognane, araka ny sandan'ny lanjan'ny sekelin'ny toerana masina. Samby feno lafarinina tsara toto mifangaro menake ho fagnatitra hohanina io raha io.20Nagnome vilia volamena milanja sekely folo, feno ditin-kajo magnitre mandy koa ijy. 21Nagnome vatotr'ahombilahy raike, ondry raike, ary janak'ondry lahy herintaogna, ho fagnatitra orôna mandy koa ijy. 22Nagnome osilahy raike ho fagnatitra nohon'ny ota ijy. 23Nagnome ahomby roe, ondry dimy, ary janak'ondry lahy ijay herintaogna, ho sorogna hatao fagnati-pihavagnana ijy. Ijay ny sorogn'i Netanela janak'i Zora.24Tamin'ny andro fahatelo, Eliaba janak'i Helona, mpitarika ny taranak'i Zebolona, ny nagnome sorogna. 25Ny sorognane die vilia volafotsy raike milanja sekely 130, ary vilia jobo raike milanja sekely fitopolo araka ny sandan'ny lanjan'ny sekelin'ny toerana masina. Samby feno lafarinina tsara toto mifangaro menake hôn'ny fagnatitra hohanina io raha io. 26Nagnome vilia volamena milanja sekely folo, feno ditin-kajo magnitre mandy koa ijy.27Nagnome vatotr'ahombilahy raike, ondry raike, ary janak'ondry lahy herintaogna ho fagnatitra orôna ijy. 28Nagnome osilahy raike ho fagnatitra nohon'ny ota ijy. 29Nagnome ahomby roe, ondry dimy, osilahy dimy, ary janak'ondry lahy dimy ijay herintaogna, ho sorogna hôn'ny fagnati-pihavagnana ijy. Ijay ny sorogn'i Eliaba janak'i Helona.30Tamin'ny andro fahefatre, Elizora janak'i Sedeora, mpitarika ny taranak'i Robena, ny nagnome ny sorognane. 31Ny sorognane die vilia volafotsy milanja sekely 130 sy vilia jobo raike milanja sekely fitopolo, araka ny sandan'ny lanjan'ny sekelin'ny toerana masina. Samby feno lafarinina tsara toto mifangaro menake ho fagnatitra hohanina io raha io. 32Nagnome vilia volamena raike milanja sekely folo, feno ditin-kajo magnitre mandy koa ijy.33Nagnome vatotr'ahombilahy raike, ondry raike, ary janak'ondry lahy herintaogna ho fagnatitra orôna ijy. 34Nagnome osilahy ho fagnatitra nohon'ny ota ijy. 35Nagnome ahomby roe, ondry dimy, osilahy dimy, ary janak'ondry lahy dimy ijay herintaogna, ho sorogna hôn'ny fagnati-pihavagnana ijy. Ijay ny sorogn'i Elizora janak'i Sedora.36Tamin'ny andro fahadimy, Selomiela janak'i Zorisady, mpitarika ny taranak'i Simeona, ny nagnome ny sorognane. 37Ny sorognane die vilia volafotsy milanja sekely 130 sy vilia jobo milanja sekely fitopolo, araka ny sandan'ny lanjan'ny sekelin'ny toerana masina. Samby feno lafarinina tsara toto mifangaro menake ho fagnatitra hohanina io raha io.38 Nagnome vilia volamena milanja sekely folo, feno ditin-kajo magnitre mandy koa ijy.39Nagnome vatotr'ahombilahy raike, ondry raike, ary janak'ondry lahy herintaogna ho fagnatitra orôna ijy. 40Nagnome osilahy raike ho fagnatitra nohon'ny ota ijy. 41Nagnome ahomby roe, ondry dimy, osilahy dimy, ary janak'ondry lahy ijay herintaogna, ho sorogna hôn'ny fagnati-pihavagnana ijy. Ijay ny sorogn'i Selomiela janak'i Zorisaday.42Tamin'ny andro fahenina, Eliasafa janak'i Doela, mpitarika ny taranak'i Gada, ny nagnome ny sorognane. 43Ny sorognane die vilia volafotsy raike milanja sekely 130 sy vilia jobo raike milanja sekely fitopolo, araka ny sandan'ny lanjan'ny sekelin'ny toerana masina. Samby feno lafarinina tsara toto mifangaro menake ho fagnatitra hohanina io raha io. 44Nagnome vilia volamena milanja sekely folo, feno ditin-kajo magnitre mandy koa ijy.45Nagnome vatotr'ahombilahy raike, ondry raike, ary janak'ondry lahy herintaogna ho fagnatitra orôna ijy. 46Nagnome osilahy ho fagnatitra nohon'ny ota ijy. 47Nagnome ahomby roe, ondry dimy, osilahy dimy, ary janak'ondry lahy ijay herintaogna, ho sorogna hôn'ny fagnati-pihavagnana ijy. Ijay ny sorogn'i Eliasafa janak'i Doela.48Tamin'ny andro fahafito, Elisama janak'i Amihoda, mpitarika ny taranak'i Efraima, ny nagnome ny sorognane. 49Ny sorognane die vilia volafotsy raike milanja sekely 130 sy vilia jobo raike milanja sekely fitopolo, araka ny sandan'ny lanjan'ny sekelin'ny toerana masina. Samby feno lafarinina tsara toto mifangaro menake ho fagnatitra hohanina io raha io. 50Nagnome vilia volamena milanja sekely folo, feno ditin-kajo magnitre mandy koa ijy.51Nagnome vatotr'ahombilahy raike, ondry raike, ary janak'ondry lahy herintaogna ho fagnatitra orôna ijy. 52Nagnome osilahy raike ho fagnatitra nohon'ny ota ijy. 53Nagnome ahomby roe, ondry dimy, osilahy dimy, ary janak'ondry lahy ijay herintaogna, ho sorogna hôn'ny fagnati-pihavagnana ijy. Ijay ny sorogn'i Elisama janak'i Amihoda.54Tamin'ny andro fahavalo, Gamaliela janak'i Pedazora, mpitarika ny taranak'i Manase, ny nagnome ny sorognane. 55Ny sorognane die vilia volafotsy milanja sekely 130 sy vilia jobo milanja sekely fitopolo, araka ny sandan'ny lanjan'ny sekelin'ny toerana masina. Samby feno lafarinina tsara toto mifangaro menake ho fagnatitra hohanina io raha io. 56Nagnome vilia volamena milanja sekely folo, feno ditin-kajo magnitre mandy koa ijy.57Nagnome vatotr'ahombilahy raike, ondry raike, ary janak'ondry lahy herintaogna ho fagnatitra orôna ijy. 58Nagnome osilahy raike ho fagnatitra nohon'ny ota ijy. 59Nagnome ahomby roe, ondry dimy, osilahy dimy, ary janak'ondry lahy herintaogna, ho sorogna hôn'ny fagnati-pihavagnana ijy. Ijay ny sorogn'i Gamaliela janak'i Pedazora.60Tamin'ny andro fahasivy, Abidana janak'i Gideony, mpitarika ny taranak'i Benjamina, ny nagnome ny sorognane. 61Ny sorognane die vilia volafotsy milanja sekely 130 sy vilia jobo milanja sekely fitopolo, araka ny sandan'ny lanjan'ny sekelin'ny toerana masina. Samby feno lafarinina tsara toto mifangaro menake ho fagnatitra hohanina io raha io. 62Nagnome vilia volamena milanja sekely folo, feno ditin-kajo magnitre mandy koa ijy.63Nagnome vatotr'ahombilahy raike, ondry raike, ary janak'ondry lahy herintaogna ho fagnatitra orôna ijy. 64Nagnome osilahy raike ho fagnatitra nohon'ny ota ijy. 65Nagnome ahomby dimy, ondry dimy, osilahy dimy, ary janak'ondry lahy ijay herintaogna, ho sorogna hôn'ny fagnati-pihavagnana ijy. Ijay ny sorogn'i Abidana janak'i Gideony.66Tamin'ny andro fahafolo, Ahiezera janak'i Amisaday, mpitarika ny taranak'i Dana,ny nagnome ny sorognane. 67Ny sorognane die vilia volafotsy milanja sekely 130 sy vilia jobo milanja sekely fitopolo, araka ny sandan'ny lanjan'ny sekelin'ny toerana masina. Samby feno lafarinina tsara toto mifangaro menake ho fagnatitra hohanina io raha io. 68Nagnome vilia volamena milanja sekely folo, feno ditin-kajo magnitre mandy koa ijy.69Nagnome vatotr'ahombilahy raike, ondry raike, ary janak'ondry lahy herintaogna ho fagnatitra orôna ijy. 70Nagnome osilahy raike ho fagnatitra nohon'ny ota ijy. 71Nagnome ahomby roe, ondry dimy, osilahy dimy, ary janak'ondry lahy ijay herintaogna, ho sorogna hôn'ny fagnati-pihavagnana ijy. Ijay ny sorogn'i Ahiezera janak'i Amisaday.72Tamin'ny andro faharaika ambin'ny folo, Pagiela janak'i Okrana, mpitarika ny taranak'i Asera, ny nagnome ny sorognane. 73Ny sorognane die vilia volafotsy milanja sekely 130 sy vilia jobo milanja sekely fitopolo, araka ny sandan'ny lanjan'ny sekelin'ny toerana masina. Samby feno lafarinina tsara toto mifangaro menake ho fagnatitra hohanina io raha io. 74Nagnome vilia volamena milanja sekely folo, feno ditin-kajo magnitre mandy koa ijy.75Nagnome vatotr'ahombilahy raike, ondry raike, ary janak'ondry lahy herintaogna ho fagnatitra orôna ijy. 76Nagnome osilahy raike ho fagnatitra nohon'ny ota ijy. 77Nagnome ahomby roe, ondry dimy, osilahy dimy, ary janak'ondry lahy ijay herintaogna, ho sorogna hôn'ny fagnati-pihavagnana ijy. Ijay ny sorogn'i Pagiela janak'i Okrana.78Tamin'ny andro faharoe ambin'ny folo, Ahira janak'i Enana, mpitarika ny taranak'i Naftaly, ny nagnome ny sorognane.79 Ny sorognane die vilia volafotsy milanja sekely 130 sy vilia jobo milanja sekely fitopolo, araka ny sandan'ny lanjan'ny sekelin'ny toerana masina. Samby feno lafarinina tsara toto mifangaro menake ho fagnatitra hohanina io raha io. 80Nagnome vilia volamena milanja sekely folo, feno ditin-kajo magnitre mandy koa ijy.81Nagnome vatotr'ahombilahy raike, ondry raike, ary janak'ondry lahy herintaogna ho fagnatitra orôna ijy. 82Nagnome osilahy raike ho fagnatitra nohon'ny ota ijy. 83Nagnome ahomby roe, ondry dimy, osilahy dimy, ary janak'ondry lahy ijay herintaogna, ho sorogna hôn'ny fagnati-pihavagnana ijy. Ijay ny sorogn'i Ahira janak'i Enana.84Natokagn'ny mpitarika ny Israely tamin'ny andro nagnosoran'i Mosesy ny alitara io raha io. Natokan-dreo ny vilia volafotsy roe ambin'ny folo, ny vilia jobo roe ambin'ny folo, ny vilia volamena roe ambin'ny folo. 85Ny vilia volafotsy kiraidraike die samby nilanja sekely 130 aby ary ny vilia jobo die nilanja sekely fitopolo. Ny fanaka volafotsy abiaby die nilanja sekely 2.400, araka ny sandan'ny lanjan'ny sekelin'ny toerana masina. 86Ny kiraidraike tamin'ny vilia volamena roe ambin'ny folo, feno ditin-kajo magnitre, die nilanja sekely folo araka ny sandan'ny lanjan'ny sekelin'ny toerana masina. Ny vilia volamena abiaby die nilanja sekely 120.87Natokan-dreo aby ny biby ho fagnatitra orôna, die ahombilahy roe ambin'ny folo, ondry roe ambin'ny folo, ary janak'ondry lahy herintaogna roe ambin'ny folo. Nomen-dreo ny fagnatitra hohanine. Nagnome osilahy roe ambin'ny folo ho fagnatitra nohon'ny ota areo. 88Nagnome ahombilahy efatre amby rôpolo, ondry enimpolo, osilahy enimpolo, ary janak'ondry lahy herintaogna enimpolo laha tamin'ny biby fiompine areo, ho sorogna hôn'ny fagnati-pihavagnana. Ijay die hôn'ny fitokagnana ny alitara tafaran'ny nagnosorana an'aje.89Laha niditra tao amin'ny tragno lay fihôgnana mba hivoria tamin'i Yaveh i Mosesy, die naharegny ny feone nijaka tamin'aje ijy. Nijaka tamin'aje laha teo ambonin'ny sarognam-pagnavotana teo amin'ny fiaran'ny vavolombelogna, laha teo agnivon'ny kerobima anankiroe Yaveh. Nivoria tamin'aje Ijy.
Chapter 8

1Yaveh nivoria tamin'i Mosesy. Hoy ijy hoe: 2"Mivoriana amin'i Arona. Jakay amin'aje hoe: 'Tokone hagnome hajavana eo alohakan'ny fipitrahan-jiro ny jiro fito laha mampirehitre an'io anao."'3ambôtre an'ijay Arona. Nampirehitra ny jiro teo amin'ny fipitrahan-jiro ijy mba hagnome hajavana eo alohakan'ijay, araka ny efa nandidian'i Yaveh an'i Mosesy. 4Tamin'ijay fomba ijay ny namboarana ny fipitrahan-jiro ka Yaveh nagnatoro an'i Mosesy ny lamigna hômin'ijay. Ijay die volamena vôtefy hatagne amin'ny fotone ka hatagne amin'ny tampone, niaraka tamin'ny vazy vôasa manahaka ny vonikajo.5Nivoria tamin'i Mosesy indraike Yaveh. Hoy ijy hoe: 6"Alay laha teo amin'ny fokon'olon'Israely ny Levita ka diovy areo.7Amboary amin-dreo ijao mba hagnadiovana an-dreo: Afafajo eo amin-dreo ny ranon'ny fagnavotana. Ampiborio ny vatagne manontolo, manasa ny lambane areo, ka amin'ijay fomba ijay ny hagnadiovana ny tegnan-dreo. 8Ka ampangalay vatotr'ahombilahy sy fagnatitra voa miaraka amin'ny koba tsara toto mifangaro menake areo. Ôka areo hangala vatotr'ahombilahy raike hafa ho fagnatitra nohon'ny ota.9Hitondra ny Levita eo alohakan'ny tragno lay fihôgnana sady hamory ny vondrogn'ny fokon'olon'Israely abiaby anao. 10Laha mitondra ny Levita eo alohakan'i Yaveh anao, die tsy mentsy mametrake ny tagnane eo amin'ny Levita ny fokon'olon'Israely. 11Tsy mentsy atolotr'i Arona eo agnatrehan'i Yaveh ny Levita, hôn'ny fagnatitra araviravy laha tamin'ny fokon'olon'Israely mba hahafahan-dreo magnano ny fanompôna an'i Yaveh.12Tsy mentsy apetrakin'ny Levita eo amin'ny lohan'ny ahomby ny tagnane. Tsy mentsy magnome ahomby raike hôn'ny fagnatitra nohon'ny ota ary ahomby hafa hôn'ny fagnatitra orôna hôn'Ahe anao, mba hagnonerana hôn'ny Levita. 13Atoroy eo alohakan'i Arona sy eo alohakan'ny janagne lahy ny Levita ka asandraty ho fagnatitra araviravy hôn'Ahe.14Amin'io fomba io ny tsy mentsy hagnasarahanao ny Levita amin'ny fokon'olon'Israely. Hôn'Ahe ny Levita. 15Magnarak'ijay, tsy mentsy mienga manompo ao an-dragno lain'ny fihôgnana ny Levita. Tsy mentsy magnadio an-dreo anao. Tsy mentsy omenao manahaka ny fagnatitra araviravy areo.16Amboary ijay, satria areo die an'Ahe tanteraka ijay laha teo amin'ny fokon'olon'Israely. Handray ny toeran'ny jaja lelahy kiraidraike aby ijay haterake vôlohane areo, die joky anakin'ny taranak'Israely abiaby. Efa nangala ny Levita hôn'ny tegnako Iaho. 17An'Ahe ny joky anaka laha tao amin'ny fokon'olon'Israely abiaby, miaraka amin'ny olo sy ny biby. Tamin'ny andro ijay nangalako ny aignan'ny joky anaka abiaby tao amin'ny tany Egypta, die nanokagna an-dreo hôn'Ahe Iaho.18Efa nangala ny Levita laha teo amin'ny fokon'olon'Israely ho solon'ny lahimatoa abiaby Iaho. 19Efa nagnome ny Levita ho fagnomejana hôn'i Arona sy ny janagne lahy Iaho. Efa nangala an-dreo laha teo amin'ny fokon'olon'Israely mba hambôtre ny asan'ny fokon'olon'Israely ao amin'ny tragno lay fihôgnana Iaho. Efa nagnome an-dreo ho fagnavotana hôn'ny fokon'olon'Israely Iaho mba tsy hisy areti-mandripake handraha ny fokon'olo laha vô magnariny ny toerana masina areo."20Mosesy, Arona, ary ny vondrogn'ny fokon'olon'Israely manontolo nagnano an'ijay tamin'ny Levita. Nambôtra ny raha abiaby nandidian'i Yaveh an'i Mosesy ny amin'ny Levita areo. Nambôtra an'ijay niaraka tamin-dreo ny fokon'olon'Israely.21 Nagnadio ny tegnane sady nanasa ny lambane ny Levita, ka Arona nagnome an-dreo ho fagnatitra araviravy hôn'i Yaveh sady nagnano fagnavotana hôn-dreo mba hagnadiovana an-dreo.22Magnarak'ijay, nienga nagnano ny fanompôna tao amin'ny tragno lay fihôgnana magnatrike an'i Arona sy ny janaka lahin'i Arona ny Levita. Manahaka an'ijay ny nandidian'i Yaveh an'i Mosesy mikasika ny Levita. Ijay ny fomba nitondrane ny Levita abiaby.23Nivoria tamin'i Mosesy indraike Yaveh. Hoy Ijy hoe: 24"Ijao abiaby ijao die hôn'ny Levita ijay dimy amby rôpolo taogna loho miakatre. Tsy mentsy miaraka mpanompo mba hanompo ao amin'ny tragno lay fihôgnana areo.25Tsy mentsy mijanogna amin'ny fanompôna amin'ijay fomba ijay areo laha feno dimam-polo taogna. Amin'ijay taogna ijay die tsy mahajo manompo koa areo. 26Afaka maitahy ny rahalahine ijay manohy ny asa ao amin'ny tragno lay fihôgnana areo, nefa tsy afaka manompo koa. Tsy mentsy mitarika ny Levita Levita Amin'NY raharaha abiaby io anao."
Chapter 9

1Ary Yaveh nijaka tamin'i Mosesy tagne agn'efitr'i Sinay, tamin'ny volagna vôlohane tamin'ny taogna faharoe tafaran'ny niboahan-dreo ny tany Egypta. Hoy Ijy hoe: 2"Ôka ny fokon'olon'Israely hitandrigna ny Paska amin'ny fotôgna rekitre amin'ny taogna. 3Amin'ny alignan'ny andro fahefatre ambin'ny folo amin'itoy volagna itoy, ny tsy mentsy hitandremanao ny Paska amin'ny fotôgna rekitre amin'ny taogna. Hitandrigna an'ijay anao, arahy ny didy amam-pitsipike abiaby, ka ankatoavy ny didy abiaby ijay mifandraike amin'ijay.4Ka, nijaka tamin'ny fokon'olon'Israely i Mosesy fa tokone hitandrigna ny fifalifalian'ny Paska areo. 5Die nitandrigna ny Paska tamin'ny volagna vôlohane areo, tamin'ny andro fahefatre ambin'ny folon'ny volagna, tamin'ny aligna, tagne agn'efitr'i Sinay. Nankatò ny raha abiaby ijay nandidian'i Yaveh hatan'i Mosesy ny fokon'olon'Israely.6Ka nisy olo saragne naloto tamin'ny fatin'ny olo raike. Tsy afaka nitandrigna ny Paska tamin'ijay andro areo. Die negneo agnatrehan'i Mosesy sy Arona areo tamin'ijay andro ijay. 7Hoy ireo olo ireo tamin'i Mosesy hoe: "Maloto nohon'ny fatin'olo ahay. Nagnino no tsy akenao hagnatitra sorogna hôn'i Yaveh amin'ny fotôgna rekitre amin'ny taogna eo amin'ny fokon'olon'Israely ahay?" 8Hoy Mosesy tamin-dreo: "Andraso alohake iaho hiteno ijay handidian'i Yaveh ny aminareo."9Nivoria tamin'i Mosesy i Yaveh. Hoy ijy hoe: 10Mivoriana amin'ny fokon'olon'Israely. Jakay hoe, 'Laha misy maloto eo aminareo na na ny taranakareo nohon'ny fatin'olo, na amin'ny dia lavitre, die tsy afaka mitandrigna ny Paska hôn'i Yaveh areo.'11Ôka hitandrigna ny Paska amin'ny harivan'ny andro fahefatre ambin'ny folo amin'ny volagna faharoe areo. Mofo tsy misy masirasira sy ny agnana mafaike ny tsy mentsy hihinanane an'ijay. 12Tsy tokone hagnapetrake an'ijay madra-maraigna areo, na hanapaka ny tôlagne. Ôka hagnaraka ny didy amam-pitsipike abiaby amin'ny Paska areo.13Fa ny olo ijay madio sady tsy nandia lavitre, nefa tsy mitandrigna ny Paska, ijay olo ijay die hifongorina tsy ho eo amin'ny olo satria tsy nagnatitra ny fagnatitra ijay nitakin'i Yaveh amin'ny fotôgna rekitre amin'ny taogna ijy. Ijay olo ijay die hibata ny hadisône. 14Laha misy vahiny maonigna eo aminao ka mitandrigna ny Paska ho voninahitr'i Yaveh, ôka ijy hitandrigna an'ijay sady hagnano ny didine abiaby, ka hankatò ny fitsipiky ny Paska, ka mankatò ny lalàna amin'ijay. Ôka hanagna lalàna mitovy hôn'ny vahiny sy ny abiaby ijay efa teraka ao amin'ny tany anao."15Tamin'ny andro nametrahana ny tabernakely, ny rahogna nanarogna ny tabernakely, ny lain'ny lalàn'ny fagnikena. Tamin'ny aligna ny rahogna die teo ambonin'ny tabernakely. Nipoitre manahaka ny afo mandra-maraigna ijay.16 Nitohy manahaka an'ijay fehijay ijay. Nanarogna ny tabernakely ny rahogna ka nipoitre manahaka ny afo amin'ny aligna. 17Na oviena na oviena ny rahogna no nampekarina laha teo amin'ny lay, die nienga tamin'ny diane ny fokon'olon'Israely. Na taja na taja ny nijanognan'ny rahogna, die nitoby teo ny fokon'olon'Israely.18Araka ny nandidian'i Yaveh, ny fokon'olon'Israely die nenga, ka tamin'i didine, ny nitobian-dreo. Laha nijanogna teo ambonin'ny tabernakely ny rahogna, die nijanogna tagne amin'ny tobine areo. 19Laha nijanogna andro maromaro teo amin'ny tabernakely ny rahogna, die nagnaraka ny torolalagn'i Yaveh areo ka tsy nenga.20Kindraindraike ny rahogna die nijanogna andro vitsy teo amin'ny tabernakely. Tamin'ijay toe-draha ijay, die nagnaraka ny didin'i Yaveh areo- nitoby sady nanohy ny diane indraike tamin'ny didine. 21Kindraindraike ny rahogna die nijanogna nitoby hatamin'ny aligna ka mandra-maraigna. Laha niakatra ny maraigna ny rahogna, die nenga areo. Laha nitohy ny atoandro na ny aligna ijay, die laha niakatra mandy ny rahogna vô nanohy nenga areo.22Na indroe andro, na ray volagna, na herintaogna ny nijanognan'ny rahogna teo ambonin'ny tabernakely, laha mbola nijanogna teo koa ijay, die nijanogna tao an-tobine ka tsy nenga ny fokon'olon'Israely. Fa isaky ny nakarina ny rahogna, die nagnenga tamin'ny diane areo. 23Nitoby araka ny didin'i Yaveh areo. Nankatò ny didin'i Yaveh nomena laha tamin'i Mosesy areo.
Chapter 10

1Nivoria tamin'i Mosesy i Yaveh. Hoy Ijy hoe: 2"Mamboara trompetra volafotsy roe. Amin'ny tefy tagnana ny hamboaranao ny volafotsy. Tsy mentsy mampiasa ny trompetra anao hangihana ny fengonana miarake sady hangihana ny fengonana hamindra ny tobin-dreo.3Ny mpisorogna die tsy mentsy hitsoke ny trompetra mba hangihana ny fengonana abiaby hitambatra eo alohakanao eo amin'ny fidirana megnao amin'ny tragno lay fihôgnana. 4Laha trompetra raike mandy no tsofin'ny mpisorogna, die hivory aminao eo ny mpitarika, ny lohan'ny fokon'Israely. 5Laha mitsoke famantarana mahare anareo, die hanomboke ny dian-dreo ny toby agne atsignanana.6Laha mitsoke ny fanerana mahare fagnindroane anareo, die hanomboke ny dian-dreo ny toby agne atsimo. Tsy mentsy mitsoka mahare hôn'ny diane areo. 7Laha mivory miaraka ny fengonana, die tsofy ny trompetra, fa tsy mahare be. 8Ny janaka lahin'i Arona, ny mpisorogna, ny tsy mentsy mitsoka ny trompetra. Ijay die ho lalàna mandrakariva hônareo hatamin'ny taranakin'ny fokon'olonao.9Laha menga miady agne amin'ny taninareo hanohitre ny mpifagnandrigna ijay mampijaly anareo anareo, die tsy mentsy hampagneno fanerana amin'ny trompetra. Iaho, Yaveh Andriamanitrareo, no hahatadidy anareo ka hamonjy anareo amin'ny fahavalonareo.10Sady koa, amin'ny fotôgnan'ny fankalajana, die ny fifalifaliana mahajatre sy amin'ny fendohan'ny volagna, die tsy mentsy hitsoke ny trompetra anareo ho fankalajana ny fagnatitra orônareo sy ny sorogna hafa hôn'ny fagnati-pihavagnanareo. Hatao ijay ho fahatserovanareo an'Ahe, ny Andriamanitrareo. Iaho no Yaveh Andriamanitrareo."11Tamin'ny taogna faharoe, tamin'ny volagna faharoe, tamin'ny andro faha rôpolon'ny volagna, die nagnanike laha teo amin'ny tabernakelin'ny lalàn'ny fagnikena ny rahogna. 12Nanohy ny diane nenga tagny agn'efitr'i Sinay ny fokon'olon'Israely. Nijanogna teo amin'ny efitr'i Parana ny rahogna. 13Nagnano ny dian-dreo vôlohane, araka ny didin'i Yaveh ijay tamin'ny alalan'i Mosesy areo.14Ny toby ambanin'ny fagnevan'ny taranak'i Joda no nibôka vôlohane, namôka ny fediane aby. Nasona janaka lahin'i Aminadaba nitarika ny tafik'i Joda. 15Netanela janaka lahin'i Zoara nitarika ny tafiky ny fokon'ny taranak'Isakara. 16Eliaba janaka lahin'i Helona nitarika ny tafiky ny fokon'ny taranak'i Zebolona.17Ny taranak'i Gersona sy Merary, ijay nendraikitra ny tabernakely, die nagnajotso ny tabernakely ka nenga tamin'ny dian-dreo. 18Avy teo, ny tafika teo ambanin'ny fagnevan'ny tobin'i Robena die nenga. Elizora janaka lahin'i Sedeora nitarika ny tafik'i Robena. 19Selomiela janaka lahin'i Zorisaday nitarika ny tafiky ny fokon'ny taranak'i Simeona. 20Eliasafa janaka lahin'i Doela nitarika ny tafiky ny fokon'ny taranak'i Gada.21Nenga ny Kehatita. Nitondra ny fitôvana masina tao amin'ny fitoerana masina. Ny saragne die nanangagna ny tabernakely melohan'ny nevian'ny Kehatita teo amin'ny toby magnarake. 22Ny tafika teo ambanin'ny fagnevan'ny taranak'i Efraima ny nenga nagnarake. Elisama janaka lahin'i Amihoda nitarika ny tafik'i Efraima. 23Gamaliela janaka lahin'i Pedazora nitarika ny tafiky ny fokon'ny taranak'i Manase. 24Abidana janaka lahin'i Gideony nitarika ny tafiky ny fokon'ny taranak'i Benjamina.25Ny tafika ijay nitoby teo ambany fagnevan'ny taranak'i Dana ny nenga farane. Ahiezera janaka lahin'i Amisaday nitarika ny tafik'i Dana. 26Pagiela janaka lahin'i Okrana nitarika ny tafiky ny fokon'ny taranak'i Asera. 27Ahira janaka lahin'i Enana nitarika ny tafiky ny fokon'ny taranak'i Naftaly. 28Tamin'ijay fomba ijay ny nengan'ny tafiky ny fokon'olon'Israely tamin'ny diane.29Nivoria tamin'i Hobaba janaka lahin'i Rogoela Midianita i Mosesy. Regoela no iaban'ny sakejan'i Mosesy. Nivoria tamin'i Hobaba i Mosesy ka nijaka hoe: "Hienga hagnagne amin'ny toerana ijay nifaritan'i Yaveh ahay. Hoy Yaveh: 'Homeko anareo ijay.' Ndao hiaraka aminay die hamboaranay soa anareo. Yaveh efa nampagnantegna ny hagnano soa ny Israely." 30Fa hoy Hobaba tamin'i Mosesy: "Tsy henga hiaraka aminao iaho. Henga hegnagne amin'ny taniko sy ny oloko iaho."31Ka die namaly Mosesy hoe: "Ôka re mba tsy handao anay anao. Anao mahalala ny hitobiana agne agn'efitre. Tokone hitandrigna anay anao. 32Laha hienga hiaraka aminay anao, die hatanay aminao araka ny soa ijay natan'i Yaveh taminy."33Nandeha nenga ny tampom-bohitr'i Yaveh nandritra ny telo andro areo. Ny fiaran'ny ny fagniken'i Yaveh nienga talohakan-dreo teo nandritra ny hateloana mba handrembe toerana helana vijake hôn-dreo. 34Ny rahogn'i Yaveh die teo ambonin-dreo tamin'ny atoandro laha nenga areo.35Laha menga ny fiara, die mijaka Mosesy hoe: "Mitsangàna, ry Yaveh. Abolejo ny fahavalonao. Ampilefaso henga eo Aminao ijay tsy tia Anao." 36Laha mijanogna ny fiara, die mijaka Mosesy hoe: " Mipodiana, ry Yaveh, amin'ny Israely agn'aligne maro."
Chapter 11

1Ka nitaraigna momba ny olagnan-dreo ny fokon'olo laha niteno Yaveh. Naharegny ny olo Yaveh ka nanjary vignitre. Nisy afon'i Yaveh nagnoro an-dreo ka nandevogna ny saragne tamin'ny toby tamorogne tegne. 2Avy teo die nangaike an'i Mosesy ny fokon'olo, ka die nivavaka tamin'i Yaveh i Mosesy, ka nijanogna ny afo. 3Nangihina hoe Tabera ijay toerana ijay, satria nirehitre tamin-dreo teo ny afon'i Yaveh.4Nanomboka niara-nitoby tamin'ny taranak'Israely ny saragne tamin'ny hafa firenena. Nagniry ny hihinagna hanina tsara kokoa areo. Ka nanomboka nitagny ny fokon'olon'Israely ka nagnano hoe: "Ija ny hagnome hanina hohaninay? 5Tadidinay ny trondro ijay nihaninay maimaimpôgna tagne Egypta, ny kôkômbra, ny taboara, ny tongolo ravigna, ny tongolo, ary ny tongolo gasy, 6Ankehitriny lasa ny homantsena, satria ny mba hitantsena die itoy mana itoy."7Ny mana die hôtran'ny vôn-drafy. Manahaka ny ditin-kajo ijay. 8Nienga nagnodidigna ny olo ka namory an'ijay. Nitotoin-dreo tamin'ny fanotoam-bary ijay, nitotoina tamin'ny dango, nampangotrahina tagnaty vilagny, ka natao mofo mamy. Nitovy tsiro tamin'ny menake oliva vaovao ijay.9Laha nilatsaka teo amin'ny toby ny ranon'ando ny aligna, die nilatsaka mandy koa ny mana. 10Naharegny ny olo nitagny tao amin'ny havan-dreo Mosesy, ka ny lelahy abiaby die teo amin'ny fidirana ho agne amin'ny laine. Vignitra nahare Yaveh, ka diso teo amason'i Mosesy ny fitaregnan-dreo.11Hoy Mosesy tamin'i Yaveh hoe: "Nagnino Anao no mampijaly ny mpanomponao? Nagnino Anao no tsy faly amin'ahe? Nampibatanao ny enta-mavesatr'ireo olo ireo iaho. 12Iaho ve ny namorogna ny olo abiaby io? Iaho ve niteraka an-dreo no hivoriananao amin'ahe hoe: 'Totroy eo an-tratranao hôtran'ny fitrotroana jaja areo?' Tokone hitondra an-dreo agne amin'ny tany ijay nampagnantenainao homena ny rajamben-dreo ve iaho?13Aja ny hahitako hanina homena an'itoy fokon'olo abiaby itoy? Mitagny alohako eo areo sady mijaka hoe: 'Omeo hanina hohanina ahay.' 14Tsy afaka ny hibata ireo olo ireo rerike iaho. Be lôtre hôn'ahe areo. 15Satria indôsinao manahaka an'ijay iaho, die vonio iaho niany, laha tia an'ahe Anao, ka alay tamin'ahe ny fijaliako."16Hoy Yaveh tamin'i Mosesy hoe: "Itondray loholon'Israely fitopolo Iaho. Atôvy ajo antoke fa loholona sady manam-boninahitra ny fokon'olo tokôtre areo. Indôsy ao amin'ny tragno lay fihôgnana areo mba hiara-hitsangagna aminao. 17Hijotso sady hivoria aminareo agne Iaho. Hangala ny saragne amin'ny Fagnahy ijay ao aminao Iaho ka hametraka an'ijay amin-dreo. Hiara hibata ny enta-mavesatrin'ny fokon'olo hiaraka aminao areo. Tsy hitondra an'ijay rerike anao.18Voriano amin'ny fokon'olo hoe: 'Manokagna tegna anareo, hômin'ny ampitso ka hihinagna hena tokôtre anareo, satria nitagny anareo ka regnin'i Yaveh. Anao nijaka hoe: "Ija ny hagnome hena hohaninay? Tsara taminay ny tany Egypta." Noho ijay Yaveh die hagnome hanina hônareo, ka hihinagna an'ijay anareo. 19Tsy hihinagna hanina mandritra ny indraika andro, roe andro, dimy andro, folo andro, na rôpolo andro fotsine anareo,20 fa hihinagna hanina mandritra ny ray volagna manontolo mandra-pivoahan'ijay egne amin'ny lavak'orognareo. Hahatsiravigna anareo ijay satria nandà an'i Yaveh, ijay eo aminareo anareo. Nitagny teo agnatrehane anareo hoe: "Nagnino ahay no nienga an'i Egypta""'21Ka hoy Mosesy hoe: "Miaraka amin'olo 600.000 iaho, sady hoy Anao hoe: 'Hagnome hanina hôn-dreo Iaho mandritra ny iray volagna.' 22Tokone hamono ny ondry amban'osy sy ny ahomby ve jany ahay hampifaliena an-dreo? Tokone hamintagna ny trondro abiaby ao amin'ny ranomasina ve ahay mba hampifaliena an-dreo?" 23Hoy Yaveh tamin'i Mosesy hoe: "Fohika ve ny tagnako? Ijao die ho hitanao laha marina ny jakako na tsiare."24Nivôke Mosesy ka nivoria tamin'ny fokon'olo ny jakan'i Yaveh. Namory loholona fito-polo tamin'ny fokon'olo ijy ka nandahatra an-dreo nagnodidigna ny lay. 25Nijotso laha tegne amin'ny rahogna Yaveh ka nivoria tamin'i Mosesy. Nangala ny Fagnahy saragne tao amin'i Mosesy i Yaveh ka nametraka an'ijay teo amin'ny loholona fito-polo. Laha nitoboke tao amin-dre ny Fagnahy, die naminany areo, kanefa tamin'io fotôgna io mandy fa tsy nipody koa.26Lelahy roe ny nijanogna tao amin'ny toby, nangehina hoe Eldada sy Medada. Nitoboke tao amin-dreo mandy koa ny Fagnahy. Ny agnaran-dreo die vôsoratre tao amin'ny lisitra, kanefa tsy nibôka ny lay areo. Na die ijay aja, naminany tao amin'ny toby areo. 27Nisy tovolahy raike tao amin'ny toby nihajakajake ka nijaka tamin'i Mosesy hoe: "Eldada sy Medada die maminagny ao amin'ny toby."28Josoa janaka lahin'i Nona, mpagnampin'i Mosesy, raike tamin'ny lelahy vôfidine, die nijaka tamin'i Mosesy hoe: "Ry Mosesy tompoko, sakagny areo." 29Hoy Mosesy tamin'aje hoe: "Saro-piaro nohon'ny amin'ahe ve anao? Magniry iaho laha mba mpaminagny aby ny fokon'olon'i Yaveh abiaby ka hametraka ny Fagnahine amin'ijy abiaby io Ijy!" 30Avy teo Mosesy sy ny loholon'Israely nipody tao amin'ny toby.31Avy teo die nisy rivotre avy laha tagne amin'i Yaveh ka nitondra papelike laha tagnaty ranomasina. Tola teo akekin'ny toby ireo, teo amin'ny lalagna indraike andro tagne amin'ny andagnine ka lalagna indraike andro tagne tagne amin'ny agnilane. Nagnodidigna ny toby ny papelika teo amin'ny roe kikiho ambonin'ny tany. 32Sahiragna ny olo namory ny papelika tamin'ijay andro ijay, ny aligna manontolo, ary ny atoandro magnaraka. Tsy nisy namory papelika latsaky ny folo homera. Nijara ny papelika nagneragna ny toby abiaby areo.33Laha mbola teo agnelagnelagn'ny nifin-dreo ny hanina, laha mbola nitsako an'ijay areo, die vignitra tamin-dreo Yaveh. Nandraha ny olo tamin'ny aretigna makadiry Ijy.34 Nangihina hoe Kibrota Havata ijay toerana ijay satria tao ny nandevegnan-dreo ny olo ijay nagniry hena fatratre. 35Nienga laha tagny Kibrota Havata ny olo mba ho agne Hezerota, ijay nijanognan-dreo.
Chapter 12

1Avy teo Myriama sy Arona nivoria nanohitra an'i Mosesy noho ilay viave Kosita ijay nampekarine. 2Hoy areo hoe: "Mosesy mandy ve ny nivorianin'i Yaveh? Sa tsy nivoria tamintsena koa ve Ijy? Ka regnin'i Yaveh ijay nivorianin-dreo. 3Ka tena manetri-tegna ilay lelahy Mosesy, be fanetre-tegna noho ny olo abiaby eto an-tany.4Teo no ho eo Yaveh die nivoria tamin'i Mosesy, Arona, ary Miriama hoe: "Miboaha anareo telo, ho agny amin'ny tragno lay fihôgnana." Noho ijay die nivôke ijy telo. 5Avy teo Yaveh nijotso tegne amin'ny andrin-drahogna. Nitsangagna teo amin'ny fidirana ao amin'ny lay Ijy ka nangaike an'i Arona sy Miriama. Samby nagnantogna ijy roe.6Hoy Yaveh hoe: "Ankehitriny tenoy ny jakako. Laha miaraka aminareo ny mpaminaniko, die hagnatoro ny tegnako amin'aje amin'ny fahitana Iaho ka hivoria amin'aje agnaty nofy. 7Tsy hôtran'ijay Mosesy mpanompoko. Mahatoky ijy ao amin'ny tragnoko abiaby. 8Mivoria mivantagna amin'i Mosesy Iaho, fa tsy amin'ny fahitana na ankamantatre. Hitane ny endriko. Ka nagnino anareo no tsy matahotre ny hivoria hanohitra ny mpanompoko, manohitra an'i Mosesy?"9Nirehitre tamin-dreo ny havigniran'i Yaveh, ka avy teo ijy nandao an-dreo. 10Nienga teo amin'ny lay ny rahogna, ka Miriama nanjary boka tampoke- fotsy manahaka ny oram-panala ijy. Laha nitodoka tagne amin'i Miriama i Arona, die hitane fa nisy habokana ijy.11Hoy Arona tamin'i Mosesy hoe: "Ry tompoko, aja tajognina aminay itoy fahotana itoy. Nivoria adaladala ahay, sady nagnota. 12Aja avela manahaka ny jaja vô teraka maty ijy ijay lany ny asasaky ny nofone laha vô teraka laha tao an-trokan'iendrine."13Noho ijay die nangaika an'i Yaveh i Mosesy. Hoy ijy hoe: "Mengavy re mba tsaboy ijy, ry Andriamanitra, mengavy."14 Hoy Yaveh tamin'i Mosesy hoe: "Laha nandrora tamin'ny tavagne iabane, die ho afa-baraka mandritra ny fito andro ijy. Ahidio agne avelagn'ny toby mandritra ny fito andro ijy. Afaran'ijay die indôsy mimpody atoy indraike ijy." 15Ka die nihidina tagne avelagn'ny toby nandritra ny fito andro ijy. Tsy nienga ny fokon'olo nandra-pipodiane tao an-toby.16Tafaran'ijay, die nienga laha tao Hazerota ny fokon'olo ka nitoby tagne agn'efitr'i Parana.
Chapter 13

1Die nivoria tamin'i Mosesy i Yaveh. Hoy Ijy hoe: 2"Mandefasa lelahy maromaro mba hijaha ny tany Kanana, ijay nomeko ny fokon'olon'Israely. Mandefasa lelahy raike laha tamin'ny fokon'ny rajamben-dreo. Ny lelahy kiraidraike die tsy mentsy mpitarika eo amin-dreo."3Nandefa an-dreo laha tagne agn'efitr'i Parana i Mosesy, mba hahafahan-dreo magnaja ny didin'i Yaveh. Ijy abiaby die samby mpitarika teo amin'ny fokon'olon'Israely aby. 4Ito ny agnaran-dreo: laha tamin'ny fokon'i Robena die i Samoa janaka lahin'i Zakora;5laha tamin'ny fokon'i Simeona die Safata, janaka lahin'i Hory; 6laha tamin'ny fokon'i Joda die i Kaleba janaka lahin'i Jefona;7 laha tamin'ny fokon'Isakara die i Jigala janaka lahin'i Josefa; 8laha tamin'ny fokon'i Efraima die i Hosea janaka lahin'i Nona;9laha tamin'ny fokon'i Benjamina die i Palty janaka lahin'i Rafo; 10laha tamin'ny fokon'i Zebolona die i Gadiela janaka lahin'i Sody; 11laha tamin'ny fokon'i Josefa(ijay midika hoe laha tamin'ny fokon'i Manase) die i Gady janaka lahin'i Sosy; 12laha tamin'ny fokon'i Dana die i Amiela janaka lahin'i Gemaly;13laha tamin'ny fokon'i Asera die i Setora janaka lahin'i Mikaela; 14laha tamin'ny fokon'i Naftaly die i Naby janaka lahin'i Vofsy; 15laha tamin'ny fokon'i Gada die i Geoela janaka lahin'i Maky. 16Io ny agnaran'ny lelahy ijay nalefan'i Mosesy mba hijaha ny tany. Nangehin'i Mosesy tamin'ny agnaran'i Josoa i Hosea janaka lahin'i Nona.17Nalefan'i Mosesy mba hijaha ny tany Kanana areo. Hoy ijy tamin-dreo hoe: "Midira laha tagne Negera ka magnaniha agne amin'ny tagnambogna. 18Zahay ny tany mba hahitana hoe hôtran'iaja. Diniho ny mponigna mitoboka ao, na matanjaka na malemy, sady na kely na rahabe. 19Jahay ny toetry ny tany itobohan-dreo. Tsara ve ijany sa ratsy? Tanàna ino ny ao? Hitan'ny toby ve areo, sa tanàna mimanda? 20Jahay ny toetry ny tany, laha tsara hôn'ny fambolena na tsiare, ka laha misy hajo mitsiry ao na tsiare. Mahereja ka mitondrà santionane amin'ny vokatry ny tany." Ka ijay fotôgna ijay die fotôgnan'ny vôloham-bokatra masake.21Ka die nagnanike ireo lelahy ireo ka nisafo ny tany laha tagne agn'efitr'i Sinay ka hatagne Rehoba, marivon'i Lebo Hamata. 22Nagnanika laha tagne Negeva areo ka avy tagny Hebrona. Ahimana, Sesay, ary Talmay, ny foko laha tamin'i Anaka die tao. Ary Hebrona die efa tafatsangagna fito taogna melohan'i Zoana agne Egypta.23Laha avy tao amin'ny Lohasahan'i Eskola areo, die nanapaka sampam-boloboke. Nibatain'ny roe tamin-dreo tamin'ny fioke ijay. Nitondra apongaben-dagnitre sy aviavy mandy koa areo. 24Ijay toerana ijay die nangihina hoe Lohasahan'i Eskola, noho ny sampam-bôloboke ijay nitapahin'ny fokon'olon'Israely tao.25Afaka efapolo taogna, die nimpody laha tagne am-pijahana ny tany areo. 26Nipody tagne amin'i Mosesy, Arona, ary ny fivondrognan'ny fokon'olon'Israely tagne agn'efitr'i Parana, tagne Kadesy areo. Nitondra valin-teny tamin-dreo sy tamin'ny fivondrognana abiaby, sady nagnatoro tamin-dreo ny vokatra laha tao amin'ny tany areo.27Hoy areo tamin'i Mosesy hoe: "Avy hatagne amin'ny tany ijay nagnirahanao anay ahay. Tena tondra-dronono sy tintely tokôtre ijay. Ito ny ampahane tamin'ny vokatra laha tao amin'ijane. 28Na ijany aja, ny olo ijay magnano ny fonegnan-dreo ao die matanjaka. Ny tanàna die mimanda sady malalake. Nahita ny taranak'i Anaka tao mandy koa ahay. 29Ny Amalekita monigna agne Negeva. Ny Hetita, Jebosita, ary ny Amorita die magnorigna ny tragnon-dreo agne amin'ny tamboho. Ny kananita die monigna egne amoron-dranomasina sady magnaraka ny Ony Jordana."30Ary Kaleba nampangigna ny fokon'olo ijay teo agnatrehan'i Mosesy ka nagnano hoe: "Ôka ahay hagnanike ka hangala ny tany ho fanagnana, satria vitantsena tokôtre ny mandresy an'ijay."31 Fa ny lelahy hafa niaraka tamin-dreo nagnano hoe: "Tsy vitantsena ny hanafika ny fokon'olo satria matanjaka noho antsena areo."32Ka die nagnely tatitre mahakivy tamin'ny fokon'olon'Israely mikasika ny tany ijay avy nijahane areo. Hoy areo hoe: "Ny tany ijay nijahanay die tany mihinagna ny mponigna. Ny olo abiaby ijay hitanay die angejabe sady ranjagnana aby. 33Nahita ny olo angejabe tao ahay, taranak'i Anaka, olo ijay laha tamin'ny angejabe. Laha ny fahitanay manokagna die manahaka ny valala antsena laha ampitahana amin-dreo, ka ijay koa ahay laha ny fahitan-dreo."
Chapter 14

1Tamin'ijay aligna ijay die nitagny mahare ny fengonana abiaby. 2Nitsikera an'i Mosesy sy Arona ny fokon'olon'Israely abiaby. Hoy ny fengonana manontolo tamin-dreo: "Naleonay maty tagne amin'ny tany Egypta, na eto amin'itoy efitra itoy!3 Nagnino no nitondra anay tamin'itoy tany itoy mba ho fatin-tsabatra Yaveh? Hanjary ho lasibatra amin'ijay ny sakejanay sy ny janakay. Moa ve tsy tsara aminay ny mipody agne Egypta?"4Nifampivoria areo hoe: "Andao antsena hifidy mpitarika hafa, ka andao antsena hipody agne Egypta." 5Die nandohalike tamin'ny tavagne teo alohakan'ny fivorian'ny fengonan'ny fokon'olon'Israely abiaby i Mosesy sy Arona.6Nandrota ny lamban-dreo i Josoa janak'i Nona sy Kaleba janak'i Jefona, ijay saragne tamin'ny nalefa mba hisafo ny tany. 7Nivoria tamin'ny fengonan'ny fokon'olon'Israely abiaby areo. Hoy areo: "Ny tany ijay nandihananay sady nisafoinay die tany tsara tokôtre. 8Laha mankasitraka antsena Yaveh, die hitondra antsena agne amin'ijay tany ijay sady hagnome an'ijay hôntsena Ijy. Die tany tondra-dronono sy tintely.9Nefa aja mikomy amin'i Yaveh, ka aja matahotra ny mponign'ny tany. Handevogna an-dreo mora foana manahaka ny hanina antsena. Halaina amin-dreo ny ferovana an-dreo, satria miaraka amin-tsena Yaveh. Aja matahotre an-dreo." 10Fa nitrerogna hitily vato hamono an-dreo ny fengonana abiaby. Die nipoitre tao amin'ny tragno lay fihôgnana tamin'ny fokon'olon'Israely abiaby ny voninahitr'i Yaveh.11Hoy Yaveh tamin'i Mosesy: "Mandra-pahoviena ny hamboaran'itoy fokon'olo itoy tsinotsino an'Ahe? Mandra-pahoviena ny tsy hatokisan-dreo an'Ahe, na die teo aja ny famantarana ny heriko abiaby ijay efa natako teo amin-dreo? 12Handrahan-dreo amin'ny areti-mandripake Iaho, ka hanangana firenena ijay ho makadiry sady mahery noho an-dreo laha tamin'ny fokonao mandy Iaho."13Hoy Mosesy tamin'i Yaveh: "Laha magnano an'ijay Anao, die haharegny momba an'ijay ny Egyptiana, satria efa namonjy an'itoy fokon'olo itoy tamin-dreo tamin'ny herinao Anao. 14Hivoria an'ijay amin'ny mponign'itoy tany itoy areo. Efa regnin-dreo fa Anao, Yaveh, no miaraka amin'itoy fokon'olo itoy, satria efa hita nifagnatri-tava Anao. Nitsangagna teo amin'ny fokon'olonao ny rahognanao. Neloha an-dreo tamin'ny andry rahogna Anao ny atoandro ary tamin'ny andry afo ny aligna.15kehitriny laha mamono an'itoy fokon'olo itoy manahaka ny olo raike Anao, die nijaka ny firenena ijay naharegny ny lajanao ka nagnano hoe: 16'Satria tsy nahavita nitondra an'itoy fokon'olo itoy tagne amin'ny tany ijay nifantane homena an-dreo Yaveh, die nivonina tagne agn'efitre areo.'17Ankehitriny, mitoreo aminao iaho, ampesay ny herinao makadiry. Fa efa nivoria Anao hoe: 18'Tsy malaky vignitre Yaveh sady tsy mivadi-pagnikena. Mamela heloke sy fahotana Ijy. Tsy mba magnamarina ny diso Ijy fa mamaly ny fahotan'ny rajambe amin'ny tarakan-dreo, die amin'ny taranaka fahatelo sy fahefatre.' 19Mamelà, mitoreo Aminao iaho, ny fahotan'itoy fokon'olo itoy nohon'ny hakadirin'ny famindram-ponao, hôtran'ny efa namelanao fehijay itoy fokon'olo itoy nanomboka tamin'ny fotôgna naha-tany Egypta an-dreo mandraka niany."20Hoy Yaveh: "Efa namela an-dreo amin'ny fagnatanterahana ny fangatahanao Iaho, 21nefa marina tokôtre, laha velogna koa Iaho, ka laha ho feno ny voninahitro koa ny tany abiaby, 22ny olo abiaby ijay nahita ny voninahitro sy ny famantarana ny hery ijay natako tagne Egypta sy tagne agn'efitre ireo- die mbola nitsapa fagnahy an'Ahe ijay impolo ijay areo ka tsy niteno ny feoko.23Ka die mivoria Iaho fa tsy hahita ny tany ijay nifantako tamin'ny rajambene tokôtre areo. Tsy misy na raike amin-dreo nagnano tsinotsino an'Ahe hahita ijay, 24hafa-tsy Kaleba mpanompoko, satria managna fagnahy hafa ijy. Efa nagnaraka an'Ahe tanteraka ijy; die hitondra an'aje ao amin'ny tany ijay nandihanane hisafoina Iaho. Hangala an'ijay ho fanagnane ny taranakane. 25(Ka ny Amalekita sy Kananita die nonigna tagne an-dohasaha.) Mipodiana ka mengà agne agn'efitre amin'ny lalagna megnagne amin'ny Ranomasina Mena ampitso.'"26Nijaka tamin'i Mosesy sy Arona Yaveh. Hoy Ijy: 27"Mandra-pahoviena ny handeferako an'itoy fengonana ratsy ijay magnakihagna an'Ahe itoy? Efa regniko ny fitaregnan'ny fokon'olon'Israely ny amin'Ahe.28Jakay amin-dreo hoe: "Laha velogna koa Iaho', hoy Yaveh,' araka ny nivorianinareo tan-tadigniko teo, ny hamboarako an'ijao aminareo Iaho: 29Hiampatre agne agn'efitre ny fatinareo, die anareo abiaby ijay nitaraigna ny amin'Ahe, anareo ijay vôisa tamin'ny fagnisam-pokon'olo, ny fikambagnan'isan'ny olo rôpolo taogna loho miakatre. 30Tsy hiditra agne amin'ny tany ijay nampagnantenaiko hatanareo fonegnana tokôtre anareo, hafa-tsy tsy Kaleba janak'i Jefona sy Josoa janak'i Nona.31Nefa ny janakareo ijay vorianinareo fa ho lasibatre, die hindôsiko miditra ao amin'ny tany areo. Hiaigna agne amin'ny tany ijay nilavinareo areo!32 Ka ny aminareo, hiampatre agne agn'efitre ny fatinareo. 33Ho mpiambigna ondry agne agn'efitre mandritra ny efapolo taogna ny janakareo. Tsy mentsy hibata ny vokatry ny asa fikomianareo mandra-pahafatinareo agne agn'efitre areo.34Hôtran'ny ny isan'ny andro ijay nisafoanareo ny tany- efapolo andro, die tsy mentsy hibata ny vokatry ny fahotanareo mandritra ny efapolo taogna hôtran'ijay koa anareo- herintaogna hôn'ny indraike andro, die fantatrareo hoe akore ijay fahavaloko ijay. 35Iaho, Yaveh, no efa nijaka. Hatako hôn'itoy fengonana ratsy ijay miara-miangogna hanohitra an'Ahe itoy tokôtre ijay. Hifongorina tanteraka areo, ka ho faty eto.'"36Ka ny lelahy ijay nirahin'i Mosesy mba hijaha ny tany 37die matin'ny areti-mandripake teo agnatrehan'i Yaveh aby. Io die ny lelahy ijay nipody ka nitari-dratsy momba ny tany. Ijay ny mampitaraigna ny fengonana abiaby ny amin'i Mosesy. 38Amin'ny lelahy ijay nienga mba hijaha ny tany, die i Josoa janak'i Nona sy Kaleba janak'i Jefona mandy no ho sisa velogna.39Laha nitondra an'io voria io tamin'ny Israely abiaby i Mosesy, die nalahelo mahare areo. 40Nifoha maraim-be areo ka negnagne an-tampom-tendrombohitre ka nagnano hoe: "Indro, ito ahay, ka henga ho agny amin'ny toerana ijay nampagnantenain'i Yaveh, fa efa nagnota ahay."41Nefa hoy Mosesy: "Nagnino anareo no mandika ny didin'i Yaveh ankehitriny? Tsy hahomby anareo. 42Aja mienga, satria tsy miaraka aminareo hanakagna anareo tsy ho resin'ny fahavalonareo Yaveh. 43Agne ny Amalekita sy ny Kananita, ka ho fatin-tsabatre anareo satria efa nivily tamin'ny fagnarahana an'i Yaveh anareo. Ka tsy hiaraka aminareo Ijy."44Nefa nahasahisahy nagnanike tagne amin'ny tany havôna areo; na ijany aja, die tsy niala tao an-toby na i Mosesy na ny fiaran'ny fagniken'i Yaveh. 45Die nijotso ny Amalekita, sy ny Kananita ijay nonigna tao amin'io tagnambogna io koa. Nanafika ny Israelita sady nandresy an-dreo tegne an-dalagna megnagne Horma abiaby areo.
Chapter 15

1Ka nivoria tamin'i Mosesy i Yaveh. Hoy Ijy hoe: 2"Mivoriana amin'ny fokon'olon'Israely ka jakay areo hoe: 'Laha menga agne amin'ny tany ijay hipitrahanareo anareo, die ijay homen'i Yaveh anareo, 3die hagnonagna fagnatitra amin'ny afo hôn'i Yaveh anareo, na fagnatitra orôna na sorogna mba hagnatanterahana voady na fagnatitra an-tsitra-po, na fagnatitra amin'ny fagnasanareo, mba hamokatre hagnitre ankasitrahana hôn'i Yaveh, laha tamin'ny ahomby na ondry.4Ôka hagnome sorogna orôna hôn'i Yaveh anareo sady koa ampahafolon'ny efaha amin'ny lafarinina tsara toto vôharoharo amin'ny menake ampahefatry ny hina ho fagnatitra hohanina. 5Ôka hagnome dovay ampahefatry ny hina ho fagnatitra nomina hôn'ny janak'ondry kiraidraike mandy koa anareo, miaraka amin'ny fagnatitra orôna, na hôn'ny sorogna.6Laha magnome ondry lahy anareo, die ôka hagnomagna lafarinina tsara toto roe ampahafolon'ny efaha vôharo amin'ny menake ampahatelon'ny hina anareo ho fagnatitra hohanina. 7Ny amin'ny fagnatitra nomina, ôka hagnome dovay ampahatelon'ny hina anareo. Hamokatra hagnitre magni-pofogna hôn'i Yaveh ijay.8Laha magnomagna ahomby ho fagnatitra orôna anareo na ho sorogna hagnatanterahana voady, na ho fagnati-piombognana amin'i Yaveh, 9die ôka hagnome lafarinina tsara toto ampahatelon'ny efaha vôharo amin'ny menake asasaky ny hina miaraka amin'ny ahomby anareo ho fagnatitra hohanina. 10Ôka hagnome dovay asasaky ny hina anareo ho fagnatitra nomina, hôtran'ny fagnatitra vita amin'ny mofo, mba hamokatre hagnitre magnim-pofogna hôn'i Yaveh.11Ôka ho vita hôn'ny ahomby kiraidraike ijay fomba ijay, hôn'ny ondry lahy kiraidraike, ary hôn'ny janak'ondry lahy kiraidraike na koa osy tanora. 12Ny sorogna kiraidraike ijay omagninareo sady omenareo die ôka ho vita manahaka ny vôfaritra eto. 13Ny tera-tany Israelita abiaby die ôka hambôtra an'ireo raha ireo amin'io fomba io, laha misy olo mitondra sorogna vita amin'ny afo, mba hamokatre hagnitre ijay ankasitrahan'i Yaveh.14Laha misy vahiny mitoboke miaraka aminareo, na koa ijay abiaby mety honigna eo aminareo, die ôka hagnano fagnatitra vita amin'ny afo ijy, mba hamokatre hagnitre magnim-pofogna hôn'i Yaveh. 15Ôka hambôtra manahaka ny famboarinareo ijy. Ôka ho lalàna mitovy hôn'ny fiaraha-monigna sy hôn'ny vahiny ijay mipetraka miaraka aminareo ijay, lalàna maharitra mandritra ny taranaky ny fokon'olonareo. Hôtranareo, no ôka hitobohan'ny mpandeha mandy koa eo aminareo. Ôka hambôtra manahaka ny famboarinareo eo agnatrehan'i Yaveh ijy. 16Ôka ho didy mitovy ny ampiharina aminareo sy amin'ny vahiny ijay mitoboke miaraka aminareo."17Mbola nivoria tamin'i Mosesy indraike i Yaveh. Hoy Ijy hoe: 18"Mivoriana amin'ny fokon'olon'Israely ka jakay areo hoe: 'Laha avy eo amin'ny tany ijay hangalako anareo anareo, 19laha mihinagna ny hanina vokatra eo amin'ny tany anareo, die ôka hagnome fagnatitra sady hagnatoro an'ijay amin'Ahe anareo.20Laha tamin'ny vôlohan-kobanareo ny tsy mentsy agnateranareo mofo mba hampekarina an'ijay ho fagnatitra asandratra amin'ny fikororohana. Ôka hanandratra an'ijay ambone amin'ijay fomba ijay anareo.21 Ôka hagnome fagnatitra asandratra hôn'Ahe anareo mandritra ny taranaky ny fokon'olonareo laha tamin'ny vôlohan-kobanareo.22Hagnota tsy kinahy anareo indraindraike, laha tsy mankatò ireo didy abiaby ijay efa nivorianiko tamin'i Mosesy ireo anareo- 23ny raha abiaby efa nandidiako anareo tamin'ny alalan'i Mosesy hatamin'ny andro nanombohako nagnomejana didy ka mitohy mandritra ny taranaky ny fokon'olonareo. 24Amin'ny trangan'ny fahotana tsy kinahy amin'ny tsy fahalalan'ny fiaraha-monigna, die ôka hagnome vatotr'ahombilahy raike ny fiaraha-monigna manontolo ho fagnatitra orôna mba hamokatre hagnitre magnim-pofogna hôn'i Yaveh. Miaraka amin'ijay die ho vita ny fagnatitra hohanina sy fagnatitra nomina, hôtran'ny nandidiana tamin'ny didy, ary osilahy raike ho fagnatitra noho ny ota.25Ôka hagnano fagnavotana hôn'ny fiaraha-monign'ny fokon'olon'Israely abiaby ny mpisorogna. Ho vôvela heloka areo satria fahadisoana ny fahotana. Efa nitondra ny sorognane areo, ny fagnatitra vita tamin'ny afo hôn'Ahe. Efa nitondra ny fagnatitra noho ny otane teo alohakako areo hôn'ny fahadisoan-dreo. 26Die ho vôvela heloka aby ny fiarahamonign'ny fokon'olon'Israely, sy ny vahiny mitoboke miaraka amin-dreo mandy koa, satria nahefa heloka tsy kinahy aby ny fokon'olo abiaby.27Laha magnota tsy kinahy ny olo raike, tokone hagnome osy vavy herintaogna ho fagnatitra noho ny ota ijy. 28Tokone hambôtre fagnavotana eo agnatrehan'i Yaveh ny mpisorogna hôn'ny olo ijay nagnota tsy kinahy. Ho vôvela heloka ijay olo ijay laha vita ny fagnavotana. 29Tokone hanagna lalàna mitovy anareo hôn'ijay magnano raha tsy kinahy, lalàna mitovy hôn'ijay tera-tany eo amin'ny fokon'olon'Israely sy ny vahiny ijay mitoboke amin-dreo eo.30Fa ny olo ijay magnano raha amin'ny fihantsiana, na jana-tany na vahiny, die mijaka ratsy an'Ahe. Tokone hifongorina eo amin'ny fokon'olone ijay olo ijay. 31Satria efa nagnano tsisy dikane ny jakako ijy sady nandika ny didiko, Die tokone hifongorina tanteraka ijay olo ijay. Hômin'aje anie ny fahotane."'32Laha mbola tagne an-tany efitra ny fokon'olon'Israely, die nahita lelahy nambely hitay tamin'ny andro sabata areo. 33Areo ijay nahita an'aje die nitondra an'aje tagne amin'i Mosesy, Arona, ary ny fiaraha-monigna abiaby. 34Nitanan-dreo am-mpigadrana ijy satria mbola tsy vôvoria ijay tokone natao tamin'aje.35Die nivoria tamin'i Mosesy i Yaveh hoe: "Tokone hivonina tokôtre ilay lelahy. Ôka ny fiaraha-monigna abiaby hitily vato an'aje avelagn'ny toby." 36Ka nitondra an'aje avelagn'ny toby ny fiaraha-monigna abiaby ka nitily vato an'aje ho fat faty ara araka ijay efa nandidian'i Yaveh an'i Mosesy.37Mbola nivoria tamin'i Mosesy indraike i Yaveh. Hoy Ijy hoe: 38"Mivoriana amin'ny taranak'Israely ka mandidia an-dreo mba hambôtra somotr'aviavy hôn'ny tegnan-dreo hiraviravy laha teo amin'ny morogn'akanjon-dreo, mba hampiraviravy an'reo isaky ny morogne amin'ny tady mangamanga. Tokone hambôtre an'ijay areo mandritra ny taranaky ny fokon'olone.39 Ho fampatsehivana manokagna hônareo ny didiko abiaby ijay, mba hagnatanteraka an'ajy ireo ka tsy hijahanareo manokagna ny fonareo sy ny masonareo ka hivarotanareo tegna amin-dreo.40Amboary ijay mba hahatadidianareo sady hankatoavanareo ny didiko abiaby, ary mba ho masina anareo, natokagna hôn'Ahe, Andriamanitrareo. 41Iaho no Yaveh Andriamanitrareo, ijay nitondra anareo nivôka ny tany Egypta, mba hanjary Andriamanitrareo. Iaho no Yaveh Andriamanitrareo."
Chapter 16

1Ary Kora no janaka lahin'i Jizara janaka lahin'i Kehata janaka lahin'i Levy, miaraka amin'i Datana sy Abirama janaka lahin'i Eliaba, sy Ona janak'i Peleta, taranak'i Robena, die nampivory ny lelahy sarasaragne. 2Nitsangagna hanohitra an'i Mosesy areo, ka niaraka tamin'ny lelahy hafa laha tamin'ny fokon'olon'Israely, mpitarika fengonana dimampolo sy rônjato ijay mpikambagna fanta-daja teo amin'ny fengonana.3 Niara-niangogna areo mba hiady amin'i Mosesy sy Arona. Hoy areo tamin'aje: "Lasa lavitra lôtre anareo! Fa vôtokagna ny fengonana abiaby, ny kiraidraike amin-dreo, ka Yaveh die amin-dreo eo. Nagnino no manimba ny tegnanareo eo amin'ny ambin'ny fengonan'i Yaveh anareo?"4Laha regnin'i Mosesy ijay, die nampekohoka ny tavagne ijy. 5Nijaka tamin'i Kora sy areo ijay niaraka tamin'aje ijy hoe: "Amin'ny maraigna die hampahafantarin'i Yaveh an-dreo ijay an'Aje sy areo ijay vôtokagna hôn'Aje. Hindôsine ho marivo an'aje ijay olo ijay. Ny raike ijay vôfidine die hindôsine hagnarivo ny tegnane.6Amboary ijao, ry Kora sy ny akamane abiaby. Alay ny fitondran'afo 7ampitso ka asio ny afo sy ditin-kajo magnitre agnatin'ijay eo alohakan'i Yaveh. Ny raike ijay fidin'i Yaveh, die ho vôtokagna hôn'i Yaveh ijay olo ijay. Lasa lavitra lôtre anao, ry taranak'i Levy."8Die hoy indraike Mosesy tamin'i Kora hoe: "Ankehitriny mitenoa, anareo ry taranak'i Levy: 9moa raha kely aminareo ve ny nampisarahin'Andriamanitra anareo tamin'ny fengonan'Israely, mba hitondra anareo marivon'ny tegnane, mba hambôtra ny asane ao amin'ny tabernakelin'i Yaveh, ka hitsangagna eo alohakan'ny fengonana mba hanompo an-dreo? 10Nitondra anao marivo Ijy, sy ny rahalahinao abiaby, taranak'i Levy, miaraka aminao, nefa mbola mitady ny fisorognana mandy koa anareo! 11Noho ijany ny nikambagnanareo sy ny akamanareo hanohitra an'i Yaveh. Ka nagnino anareo no mitaraigna mikasika an'i Arona, ijay mankatò an'i Yaveh?"12Ary Mosesy nangaike an'i Datana sy Abirama, janaka lahin'i Eliaba, fa nijaka areo hoe: "Tsy hoagne ahay. 13Raha kely aminao angaha ny nitondrana anay nagnanika nivôke ny tany feno ronono sy tintely, mba hamono anay agn'efitre? Ankehitriny die magniry ny tegnanao hanapaka aminay eo anao! 14Ho fagnampin'ijay, tsy nitondra anay tagne amin'ny tany feno ronono sy tintely Anao, na nagnome anay ny harenana sy tanim-bôloboke ho lova. Ankehitriny die magniry ny hahapôke anay amin'ny fampagnantenana fôgna ve Anao? Tsy hômin'Anao agne ahay."15Vignitra mahare i Mosesy ka nijaka tamin'i Yaveh hoe: "Aja magneky ny fagnatitrane. Tsy nangala na apondra raike tamin-dreo iaho, sady tsy nagnano ratsy na ny raike tamin-dreo aja."16 Ka nijaka tamin'i Kora i Mosesy hoe: "Ampitso die tsy mentsy handeha eo agnatrehan'i Yaveh anao sy ny tarikanao- anao sy areo, ary Arona. 17Sambe mangala ny fitondran'afone anareo kiraidraike ka magnisy ditin-kajo magnitre ao amin'ijay. Avy teo die tokone hitondra ny fitondran'afone eo alohakan'i Yaveh aby ny kiraidraike, fitondran'afo dimampolo sy rônjato. Anao sy Arona, mandy koa, die tokone hitondra ny fitondran'afonareo kiraidraike."18Ka die nangala ny fitondran'afone ny olo kiraidraike, nandrehitra afo tamin'ijay, ka nitsangagna teo amin'ny fidiran'ny tragno lay fihôgnana niaraka tamin'i Mosesy sy Arona. 19Nampivory ny fivondrognan abiaby manohitra an'i Mosesy sy Arona teo amin'ny fidiran'ny tragno lay fihôgnana i Kora, ka nipoitre tamin'ny fivondrognana abiaby ny voninahitr'i Yaveh.20Die nivoria tamin'i Mosesy sy Arona i Yaveh hoe: 21"Sarahy amin'itoy fengonana itoy ny tegnanareo mba hahafahako mandevogna an-dreo avy hatragne." 22Nandohalike i Mosesy sy Arona ka nijaka hoe: "Andriamanitra, Andriamanitry ny fagnahin'ny olombelogna abiaby, laha magnota ny olo raike, die ho vignitra amin'ny fengonana abiaby ve anao?23Namaly an'i Mosesy i Yaveh. 24Hoy Ijy hoe: "Mijaka amin'ny fivondrognana. Mijaka hoe: "Mengà tamin'ny lain'i Kora, Datana, ary Abirama."25Die nenga i Mosesy ka negnagne Datana sy Abirama; ny loholon'Israely die nagnaraka an'aje. 26Nivoria tamin'ny fivondrognana ijy ka nijaka hoe: "Amin'ijao die mengà amin'ny lain'ny ratsy fagnahy ka aja mikasika na ino na ino ny an-dreo, sandre ho levogna amin'ny alalan'ny fahotane abiaby anao." 27Ka nandao an-dreo tamin'ny jorogn'ny lain'i Kora, Datana, ary Abirama ny fivondrognana. Nivôke i Datana sy Abirama ka nitsangagna teo amin'ny fidiran'ny lain-dreo, niaraka tamin'ny sakejane, janaka lahy, ary ny madininy.28Ka nijaka i Mosesy hoe: "Amin'ijao no ahafantaranareo fa Yaveh no nagniraka an'ahy hambôtra ny asa abiaby, fa tsy nambôtre an'io tamin'ny saignako mandy iaho. 29Laha maty amin'ny fahafatesana vôjagnahary manahaka ny raha misy ara-dalàna ireo olo ireo, die tsy nandefa an'ahy i Yaveh. 30Fa laha mamorogna fivohàna amin'ny tany ijay miteligna an-dreo ao manahaka ny vava makadiry i Yaveh, miaraka amin'ny havane abiaby, sady laha mijotso velogna agne amin'ny fiaignan-tsy hita areo, die tokone ho fantatrao fa ireo olo ireo die nagnano tsinotsino an'i Yaveh."31Laha mbola tsy tapitra ny fijakan'i Mosesy an'io voria io, die nivoha teo ambanin'ireo lelahy ireo ny tany. 32Namoha ny vavane ny tany ka niteligna an-dreo, ny havane, ary ny olo abiaby ijay an'i Kora, sady koa ny fanagnane abiaby.33Die latsaka velogna tagne amin'ny fiaignan-tsy hita areo sy ny abiaby tao amin'ny havane. Nihidy teo ambonin-dreo ny tany, ka tamin'ijay ny nahafongotra an-dreo teo agnivon'ny fivondrognana. 34Ny Israely abiaby magnodidigna an-dreo die nilefa tamin'ny kiakiakane. Nihiake areo hoe: "Mety hiteligna antsena mandy koa ny tany!" 35Die nitselatre ny afo laha tamin'i Yaveh ka nandrapaka ny olo 250 ijay nagnome ditin-kajo magnitre.36Die nivoria tamin'i Mosesy indraike i Yaveh ka nijaka hoe: 37"Mivoriana amin'i Eleazara janaka lahin'i Arona mpisorogna ka ôka ijy hamono ny afo amin'ny fagnorôna ditin-kajo magnitre, fa ny fitondran'afo die vôtokagna hôn'Ahe. Die abilay ijy hagnaparitake ny betrak'afo agne alavitre. 38Alay ny fitondran'afon'ijay namoy ny aigne nohon'ny fahotane. Ôka ireo hamboarana vilia vôtefy mba hanarognana ny alitara. Nagnome an'ireo teo alohakako ireo olo ireo, ka vôtokagna hôn'Ahe ireo. Ho famantarana ny fisiako amin'ny fokon'olon'Israely ireo.39Nangala ny fitondran'afo varahigna i Eleazara mpisorogna ijay nampesain'ny olo ijay may, ka die nitifene ho fanarognana hôn'ny alitara io, 40mba ho fampatsehivana hôn'ny fokon'olon'Israely, mba tsy hisy vahiny ijay tsy taranaka laha tamin'i Arona ho avy ka hagnoro ditin-kajo magnitre alohakan'i Yaveh, ka tsy hanjary hôtran'i Kora sy ny tarigne areo- araka ijay efa nandidian'i Yaveh tamin'ny alalan'i Mosesy.41Fa ny ampitso maraigna die nitoreo tamin'i Mosesy sy Arona ny fivondrognan'ny fokon'olon'Israely abiaby. Hoy areo hoe: "Nivoninareo ny fokon'olon'i Yaveh." 42Ka nipoitre ijay, laha nivory hanohitra an'i Mosesy sy Arona ny fivondrognana abiaby, laha nijaha tao amin'ny tragno lay fihôgnana areo, ka, igne, nanarogna an'ijay ny rahogna. Niseho ny voninahitr'i Yaveh, 43ka Mosesy sy Arona die negneo alohakan'ny tragno lay fihôgnana.44Die nijaka tamin'i Mosesy i Yaveh. Hoy Ijy: 45"Mengà lavitre tsy ho eo alohakan'io fivondrognana io mba hahafahako mandevogna an-dreo avy hatragne." Die nampiondrike ny tavagne tamin'ny tany i Mosesy sy Arona. 46Hoy i Mosesy tamin'i Arona: "Alay ny fitondran'afo, asio afo laha teo amin'ny alitara, asio ditin-kajo magnitre ao agnatin'ijay, indôsy malaky agne amin'ny fivondrognana ijay, ka mamboara fagnavotana hôn-dreo, satria avy laha tamin'i Yaveh ny havignirana. Nanomboka ny areti-mandripake."47Die nagnano araka ijay natoron'i Mosesy i Arona. Nihajakajake ho eo agnivon'ny fivondrognana ijy. Efa nanomboka niparita nalaky teo amin'ny olo ny areti-mandripake, ka nampidirine ny ditin-kajo magnitre ka nagnano fagnavotana hôn'ny olo ijy. 48Nitsangagna teo agnivon'ny velogna sy ny maty i Arona; ka tamin'ijay die nijanogna ny areti-mandripake.49Areo ijay matin'ny areti-mandripake die 14 700, ankôtran'ireo ijay maty nohon'ny amin'i Kora.50 Nipody tagne amin'i Mosesy teo amin'ny fidiran'ny tragno lay fihôgnana i Arona, die nijanogna ny areti-mandripake.
Chapter 17

1Nivoria tamin'i Mosesy i Yaveh. 2Hoy Ijy hoe: "Mivoriana amin'ny fokon'olon'Israely ka mangalà fioke laha tamin-dreo, raike isaky ny kiraidraike amin'ny fokon-drajagna, die fioke roe ambin'ny folo. Soraty eo amin'ny fiokane aby ny agnaran'ny olo kiraidraike.3Ôka hisoratanao eo amin'ny fiokan'i Levy ny agnaran'i Arona. Tsy mentsy misy fioke raike laha tamin'ny fokon-drajagne hôn'ny mpitarika kiraidraike. 4Tsy mentsy atobokanao ao amin'ny tragno lay fihôgnana eo alohakan'ny lalàn'ny fagnikena, ijay hihôgnako aminao ny fioke. 5Ka ny fiokan'olo ijay fidiko die hitsiry. Hajanoko ny fitaregnana laha tamin'ny olo, ijay atorone hanoherana anao."6Ka die nivoria tamin'ny fokon'olon'Israely i Mosesy. Nagnome fioke an'aje aby ny mpitarika ara-poko, fioke raike aby hôn'ny mpitarika kiraidraike, ijay nitondroina laha tamin'ny fokon-drajagna isan'isane, fioke roe ambin'ny folo ny fikambarane. Tao agnatin'ijay ny fiokan'i Arona. 7Avy teo die natobokan'i Mosesy teo agnatrehan'i Yaveh tao amin'ny lain'ny lalàn'ny fagnikena ny fioke.8Ny ampitso die niditra tao amin'ny lain'ny lalàn'ny fagnikena i Mosesy, ka igne nitsiry ny fiokan'i Arona hôn'ny fokon'i Levy. Nitsiry kibory ijay ka namoa vognone sy amygdala!9 Nindôsin'i Mosesy nivôke tsy ho eo agnatrehan'i Yaveh ho eo amin'ny fokon'olon'Israely manontolo ny fioke abiaby, ka samby nangala ny fiokane aby ny olo kiraidraike.10Hoy Yaveh tamin'i Mosesy: "Apitraho eo alohakan'ny lalàn'ny fagnikena ny fiokan'i Arona. Ampirimo ho famantaran-keloka hanohitra ny olo ijay nikomy ijay mba hampijanognanao ny fitaregnana manohitra an'Ahe, laha tsy ijay die ho faty areo." 11Nagnano araka ijay nampanôvin'i Yaveh an'aje i Mosesy.12Nivoria tamin'i Mosesy ny fokon'olon'Israely ka nijaka hoe: "Ho faty atoy antsena. Ho ripaka aby antsena abiaby! 13Ijay abiaby magnanika, ijay magnantogna ny tabernakelin'i Yaveh, die ho faty. Die tsy mentsy ho faty ve antsena abiaby?"
Chapter 18

1Hoy Yaveh tamin'i Arona: "Anao, ny janakao, ary ny fokon-drajagnao die ho tompon'andraikitra amin'ny fahotana abiaby vita tamin'ny fitoerana masina. Fa anao sy ny janakao rerike mandy no ho tompon'andraikitra amin'ny fahotana abiaby namboarin'olo tao amin'ny fisorognana. 2Hôtran'ny ny amin'ny mpiara-mikambagna aminao amin'ny fokon'i Levy, ny fokon-drajagnao, die tokone hindôsinao miaraka aminao areo mba hahajoan-dreo magnarivo anao sady magnampy anao laha manompo eo alohakan'ny lain'ny lalàn'ny fagnikena anao sy ny janakao.3Tokone hanompo anao sy ny lay manontolo areo. Kanefa, ôka areo tsy hagnarivo ny raha ao amin'ny fitoerana masina na mifandray amin'ny alitara, fa ho faty anao die areo koa. 4Tokone hagnantogna anao areo ka hikarakara ny tragno lay fihôgnana, hôn'ny asa abiaby mifandray amin'ny lay. Tokone tsy hagnarivo anao ny vahiny. 5Ôka anao handray andraikitra hôn'ny fitoerana masina ary hôn'ny alitara mba tsy hevian'ny havignirako eo amin'ny janak'Israely indraike.6Indro, Iaho mihitsy no nisafidy ny Levita mpiara-mikambagna aminao laha tamin'ny taranak'Israely. Fagnomejana hônao areo, efa nomena an'Ahy mba hambôtra ny asa mifandraika amin'ny tragno lay fihôgnana. 7Kanefa anao sy ny janakao ny mety hambôtra ny fisorognana mikasika ny raha abiaby mifandray amin'ny alitara sy ny raha abiaby agnatin'ny lamba. Anareo mandy no tokone hameno an'io andraikitra io. Homeko anao ho fagnomejana ny fisorognana. Ijay vahiny magnarivorivo die tokone hivonina."8Die hoy Yaveh tamin'i Arona: "Igne, efa nomeko anao ny adidy fikarakarana ny fagnatitra asandratra amin'Ahe, sy ny fagnatitra masina ijay omen'ny janak'Israely an'Ahe. Efa nomeko anao sy ny janakao ho anjaranao io fagnatitra io. 9Ito ny tena raha masina, vôaro amin'ny afo: laha tamin'ny fagnatitran-dreo abiaby- ny fagnatitra hohanina abiaby, ny fagnatitra nohon'ny ota abiaby, ary ny fagnatitra nohon'ny heloka abiaby- tena masigna hônao sy ny hôn'ny janakao ireo.10Tena masigna tokôtre io fagnatitra io; tokone hihinagna an'ijay ny lelahy abiaby, fa masina hônareo io. 11Ito aby ny fagnatitra ijay hônao: ny fagnomejan-dreo, ny fagnatitra araviravin'ny janak'Israely abiaby. Efa nomeko anao areo, ny janakao lahy, sy ny janakao viave, ho anjaranao. Ny abiaby ijay madio fombafomba ao amin'ny ankohonanao die mahajo mihinagna amin'io fagnatitra io.12Ny tsara indrindra amin'ny menake, ny tsara indrindra amin'ny dovay vaovao sy ny vary, ny vôloham-bokatre ijay omen'ny olo an'Ahe- ny raha abiaby die efa nomeko anao. 13Ny vokatr'ijay abiaby ijay antitre vôlohane ijay eo amin'ny tanin-dreo, die ijay indôsin-dreo amin'Ahe atoy, die ho lefinao. Ijay abiaby madio ao amin'ny ankohonanao die mahajo mihinagna amin'ireo raha ireo.14Ny raha abiaby vôtokagna ao Israely die ho lefinao aby. 15Ny raha abiaby ijay manokatra ny troke, ny vôlohan-teraka abiaby ijay omen'olo an'i Yaveh, ny olo sy ny biby mikambagna, die ho lefinao aby. Na ijany aja, ôka ny olo hividy ny janaka lahy vôlohan-teraka abiaby indraike, ka ôka areo hividy indraike ny lahy vôlohan-terakin'ny biby maloto. 16Ireo ijay vôvidin'ny olo indraike die ôka hamerigna hividy afaran'ny faha ray volagna. Avy teo die afaka mividy an'ajy ireo indraike ny olo, amin'ny vidiny sekely dimy, araka ny karajan-danjan'ny sekely fitoerana masina, ijay mitovy amin'ny zeraha rôpolo.17Fa ny vôlohan-teraky ny ahomby vavy, na ny vôlohan-teraky ny ondry, na vôlohan-teraky ny osy- ôka tsy hapodinareo vidina ireo biby ireo; fa vôtokagna hôn'Ahe ireo. Tokone hamafy ny ràn'ireo eo amin'ny alitara anao ka hagnoro ny saboran-dreo ho fagnatitra natao tamin'ny afo, hagnitre ankasitrahan'i Yaveh. 18Ny henan-dreo die hônao. Hôtran'ny tratra sy ny fe havanana nasandratra, die hônao ny henan-dreo.19Ny fagnatitra masina abiaby ijay omen'olo amin'i Yaveh, die efa nomeko anao, sy ny janakao lahy ary ny janakao viave miaraka aminao, ho jara mitohitohy. Fagnikena maharitra mandrakijay amin'ny sira ijay, fagnikena mamehe mandrakijay, eo agnatrehan'i Yaveh hônao sy ny taranakao miaraka aminao." 20Hoy Yaveh tamin'i Arona: "Tsy hanagna lova ao amin'ny tanin'ny fokon'olo anao, na hanagn'anjara amin'ny fanagnana eo amin'ny fokon'olo. Iaho ny anjaranao sy lovanao eo amin'ny fokon'olon'Israely.21Hôn'ny taranak'i Levy, igne, efa nagnome ny ampahafolon-karena abiaby ao Israely ho lovan-dreo ho valin'ny asa ijay omen-dreo amin'ny fiasanao amin'ny tragno lay fihôgnana Iaho. 22Manomboka ijao die ôka ny fokon'olon'Israely tsy ho avy hagnarivo ny tragno lay fihôgnana, fa ho tompon'andraikitra amin'ijay fahotana ijay areo ka ho faty.23Ôka ny Levita hambôtra ny asa mifandraika amin'ny tragno lay fihôgnana. Ho tompon'andraikitra amin'ny fahotana magnodidigna an'ijay areo. Ho lalàna maharitra magneragna ny taranaky ny fokon'olonao ijay. Tokone tsy handova eo amin'ny janak'Israely areo. 24Satria ny ampahafolon-karen'ny fokon'olon'Israely, ijay nomen-dreo ho fandresana anjara amin'Ahe atoy- io ny efa nomeko an'ireo Levita ho lovan-dreo. Ijay ny nivorianako tamin-dreo hoe: "Ôka tsy hanagna lova eo amin'ny janak'Israely areo."25Yaveh nivoria tamin'i Mosesy ka nagnano hoe: 26"Ôka anao hivoria amin'ny Levita ka hijaka amin-dreo hoe: 'Laha mandray ny ampahafolo ijay laha tamin'ny janak'Israely ijay efa nomeko anao laha tamin-dreo ho lovanao anao, die hagnatoro fandresana anjara avy amin'ijay hôn'i Yaveh, ampahafolone amin'ny fahafolo-karena. 27Ny fandresanao anjara die tokone hiresinao hôtran'ny hoe ampahafolon'ny voa laha tamin'ny fikororohana na ny famokarana laha tamin'ny famiajan-bôloboke ijay.28Ka ôka mandy koa anao hambôtra fandresana anjara amin'i Yaveh laha tamin'ny ampahafolon-karena ijay resinao laha tamin'ny fokon'olon'Israely. Fa laha tamin-dreo ny tsy mentsy hagnomejanao ny anjarane hôn'i Arona mpisorogna. 29Ankôtran'ny fagnomejana abiaby resinao, tokone hambôtre fandresana anjara amin'i Yaveh anao. Tokone hambôtre an'ijay anao laha tamin'ny raha tsara sady masina indrindra abiaby ijay efa nomena anao.'30Noho ijay die ôka anao hivoria amin-dreo hoe: "Laha magnome ny tsara indrindra amin'ijay anareo, die tokone hisaina hôn'ny Levita ho hôtran'ny vokatra laha tamin'ny fikororohana sy ny famiajam-bôloboke ijay. 31Die mahajo mihinagna ny ambin'ny fagnomejanareo amin'ny toerana abiaby anareo, anareo sy ny ankohonanareo, satria ijay ny karamanareo ho valin'ny asanareo tao amin'ny tragno lay fihôgnana. 32Tsy ho diso amin'ijay heloka tamin'ny fihinanana sy finomana an'ijay anareo, laha tsy efa nagnatoro tamin'i Yaveh ny tsara indrindra laha tamin'ijay efa niresinareo. Fa ôka anareo tsy haniratsira ny fagnatitra masin'ny fokon'olon'Israely, laha tsy ijay die ho faty anareo."'
Chapter 19

1Nivoria tamin'i Mosesy sy Arona i Yaveh. Hoy Ijy hoe: 2"ijao no lalàna, lalàna ijay andidiako anareo: Voriano ny fokon'olon'Israely fa tokone hitondra ahomby vavy kely mena tsy manan-kilema eo aminareo areo, ary ijay mbola tsy nasiana zioga.3Omeo an'i Eleazara mpisorogna ny ahomby vavy kely. Hitondra an'ijay agne avelagn'ny toby ijy, ka hisy olo hamono an'ijay eo alohakane.4 Eleazara mpisorogna die hangala kitike amin'ny ràn'ijay amin'ny tagnane ka hamafy an'ijay impito eo alohakan'ny tragno lay fihôgnana. 5Ny mpisorogna hafa die hagnoro ny ahomby vavy kely eo amasone. Hagnoro ny hodine, ny nofone, ary ny ràne miaraka amin'ny taine ijy. 6Ôka ny mpisorogna hangala hajo sedera, hysopa, sy volon'ondry mena, ka hagnatily an'ijay eo agnivon'ny ahomby vavy kely mirehitre.7Avy teo die tsy mentsy manasa ny akanjone sady mandro amin'ny rano ijy. Sady mba ho afaka hegneo an-toby, ijay hitobohane maloto mandra-pahaligna ny andro ijy. 8Ijay nagnoro ny ahomby vavy kely die hanasa ny akanjone amin'ny rano ka hoandro amin'ny rano. Hitoboke maloto mandra-pahaligna ny andro ijy.9Ny ijay madio die hagnavory ny lakevognan'ny ahomby vavy kely ka hametraka an'ijay eo amin'ny toerana madio avelagn'ny toby. Io lakevogna io die hampirimina hôn'ny fiaraha-monignan'ny fokon'olon'Israely. Hagnafangaro ny lakevogna amin'ny rano fagnadiovana amin'ny fahotana areo, satria ny lakevogna die laha tamin'ny fagnatitra noho ny ota. 10Ijay nagnavory ny lakevognan'ny ahomby vavy kely die hanasa ny akanjone. Hitoboke maloto mandra-pahaligna Ijy. Ijay die ho lalàna maharitra hôn'ny fokon'olon'Israely ary hôn'ny vahiny ijay mipetraka miaraka amin-dreo.11Na ija na ija mikasika fatin'olo die haloto mandritra ny fito andro.12 Ijay olo ijay die tsy mentsy magnadio ny tegnane amin'ny andro fahatelo sy amin'ny andro fahafito. Die hadio ijy. Fa laha tsy magnadio ny tegnane amin'ny andro fahatelo ijy, die tsy hadio ijy amin'ny andro fahafito. 13Na ija na ija mikasika fatin'olo, ny vatagn'olo ijay efa maty, ka tsy madio ny tegnane- ijay olo ijay die mandoto ny tabernakelin'i Yaveh. Ijay olo ijay die hifongorina eo amin'Israely satria tsy nafafy tamin'aje ny rano hôn'ny fahalotoana. Hitoboke maloto ijy; ny fahalotoane die hipetraka amin'aje.14Ijao ny lalàna laha misy olo maty ao an-day. Ijay abiaby megnao amin'ny lay sy ijay abiaby efa tao amin'ny lay die haloto mandritra ny fito andro. 15Ny fipitrahan-draha mivoha abiaby tsy misy fognone die haloto. 16Hôtran'ijay koa, na ija na ija agne avelagn'ny lay ka mikasika olo ijay matin-tsabatra, na fatin'olo hafa, na tôlagn'olo, na kobory- ijay olo ijay die haloto mandritra ny fito andro.17Atôvy hôn'ny olo maloto ijao: "Mangalà lakevogna laha tamin'ny fagnatitra orôna nohon'ny ota ka afangaroy ao agnaty siny miaraka amin'ny rano ireo. 18Ny olo ijay madio die hangala hysopa, handatsaka an'ijay agnaty rano, ka hamafy an'ijay eo amin'ny lay, eo amin'ny fipitrahan-draha abiaby ao agnatin'ny lay, amin'ny olo ijay eo, ary amin'ijay abiaby nikasika ny tôlagna, ijay vôvono, ijay maty, na ny kobory. 19Amin'ny andro fahatelo sy amin'ny andro fahafito, ny olo madio die hamafy an'ijay amin'ny olo maloto. Amin'ny andro fahafito ny olo maloto die hagnadio ny tegnane. Hanasa ny akanjone sady hoandro amin'ny rano ijy. Hadio ijy amin'ny hariva.20Fa ijay abiaby mitoboke maloto, ijay mandà tsy hagnadio ny tegnane- ijay olo ijay die hifongorina eo amin'ny fiaraha-monigna, nohon'ny fandotoane ny fitoerana masin'i Yaveh. Tsy nafafy tamin'aje ny rano hôn'ny fahalotoana; hipetraka maloto ijy. 21Ho lalàna mitohy mahakasika ireo toe-draha ireo ijay. Ijay mamafy ny ranon'ny fahalotoana die hanasa ny akanjone. Ijay mikasika ny ranon'ny fahalotoana die haloto mandra-pahaligna. 22Na ino na ino kasihin'olo maloto die haloto ijay. Ny olo ijay mikasika an'ijay die haloto mandra-pahaligna."
Chapter 20

1Ka ny fokon'olon'Israely, ny vondrogna manontolo, die negnagne agn'efitry ny Zina tamin'ny volagna vôlohane; nijanogna tao Kadesy areo. Tagne Miriama no maty sady nalevigna.2Tsy nisy rano hôn'ny vondrogna, ka niara-niangogna hanohitra an'i Mosesy sy Arona areo. 3Nitaraigna tamin'i Mosesy ny fokon'olo. Hoy areo hoe: "Tsara kokoa laha maty manahaka ny Israelita akamanay maty teo agnatrehan'i Yaveh ahay!4Nagnino no nindôsinao mba ho faty atoy amin'itoy efitra itoy ny fivondrognan'i Yaveh, die ahay sy ny biby fiompinay? 5Nagnino anao no nampiakatra anay nivôke laha tagne Egypta nitondra anay amin'itoy toerana mahafadikidiky itoy? Indro, tsy misy voa, aviavy, vôloboke, na apongaben-dagnitre eto, sady tsy misy rano hinomina."6Ary nienga teo agnatrehan'ny fivondrognana i Mosesy sy Arona. Niditra teo amin'ny fidiran'ny tragno lay fihôgnana areo ka nandohalike. Ka nipoitre tamin-dreo tao ny famirapiratan'ny voninahitr'i Yaveh.7Nivoria tamin'i Mosesy i Yaveh ka nagnano hoe: 8"Alay ny fioke ka avorio ny fivondrognana, anao, sy Arona rahalahinao. Mijakà amin'ny vatolampy eo amason-dreo, ka mandidia mba hiboiboika rano ijay. Hamokatre rano hôn-dreo laha tao amin'ny vatolampy anao, ka tsy mentsy homenao ny fivondrognana sy ny biby fiompine mba hinomine ijay." 9Niresin'i Mosesy laha teo alohakan'i Yaveh ny fioke, araka ny nandidian'i Yaveh an'aje mba hamboarina.10Die nagnavory ny fokon'olo teo alohakan'ny vatolampy i Mosesy sy Arona. Hoy i Mosesy tamin-dreo: "Ankehitriny mitenoa, anareo mpikomy. Moa ve tsy mentsy hamoaka rano laha tamin'itoy vatolampy itoy hônareo ahay?" 11Die nanangagna ny tagnane i Mosesy ka namioke indroe ny vatolampy tamin'ny fiokane, ka rano be ny nivôke. Ninogna ny fivondrognana, sy ny biby fiompine.12Ka hoy Yaveh tamin'i Mosesy sy Arona: "Satria tsy natoky na nagnome voninahitra an'Ahe ho masigna teo amason'ny fokon'olon'Israely anareo, die tsy hitondra ny fengonana agne amin'ny tany ijay efa nomeko an-dreo anareo."13 Itoy toerana itoy die nangehina hoe ranon'i Meriba satria ny fokon'olon'Israely die nifanditra tamin'i Yaveh teo, ka magnatoro ny tegnane tamin-dreo ho masigna Ijy.14Nagniraka mpitondra hafatre laha tao Kadesy ho agny amin'ny mpanjakan'i Edoma i Mosesy: Ijao ny jakain'Israely rahalahinao: Fantatro ny ady sarotra ijay efa nahajo anay. 15Fantatro fa nijotso tagne Egypta ny rajagnay ka nipetraka tao Egypta nandritra ny fotôgna ela. Nitondra anay tamin'ny fahasahiana sy ny rajagnay mandy koa ny Egyptiana. 16Laha nangaike mahare an'i Yaveh ahay, die naharegny ny feonay Ijy ka nandefa anjely ka nitondra anay nivôke laha tao Egypta. Indro, atoy Kadesy ahay, tanàna raike eto amin'ny faritry ny taninao.17Mangataka aminao iaho ny mba hamelanao anay homba eo amin'ny taninao. Tsy homba amin'ny harenana na tanim-bôloboke, na hinogna ny rano ao amin'ny lava-drano ahay. Handeha egne amin'ny lalàmben'ny mpanjaka ahay. Tsy hivily henkavanana na henkavia ahay mnadra-pevianay egne amin'ny moron-taninao."18Fa ny mpanjakan'i Edoma namaly an'ajy hoe: "Tsy mahajo momba eto anareo. Laha momba anareo, die ho avy miaraka amin'ny sabatra hanafika anareo iaho." 19Ka ny fokon'olon'Israely nagnano tamin'aje hoe: "Hamakivaky ny lalàm-be ahay. Laha minogna ny ranonao ahay na ny biby fiompinay, die honeranay ijay. Abilay fotsine ahay mba handeha hongotre, fa tsy hambôtra raha hafa."20Fa ny mpanjakan'i Edoma namaly hoe: "Tsy mahajo momba anareo." Ka avy nandraha an'Israely ny mpanjakan'i Edoma niaraka tamin'ny tagna-maherin'ny miaramila rahabe. 21Tsy nagneky ny hamela ny Israely hempita teo amin'ny moron-tanin-dreo ny mpanjakan'i Edoma. Noho ijay, die nivily tamin'ny tanin'i Edoma ny Israely.22Ka nienga tao Kadesy ny fokon'olo. Ny fokon'olon'Israely, ny fivondrognana manontolo, negnagne an-tampom-bohitre Hora. 23Nivoria tamin'i Mosesy sy Arona tao an-tampom-bohitre Hora i Yaveh, eo amin'ny morontanin'i Edoma. Hoy Ijy: 24Tsy mentsy hamperahina amin'ny fokon'olone i Arona, fa tsy hiditra amin'ny tany ijay efa nomeko ny fokon'olon'Israely ijy. Ijay die satria samby nikomy nanohitra ny jakako tao amin'ny ranon'i Meriba anareo.25Alay i Arona sy Eleazara janagne lahy, ka indôsy magnanika agne an-tampom-bohitre Hora areo. 26Alay tamin'i Arona ny akanjo fisorognana ka ampanôvy an'i Eleazara janagne. Tsy mentsy ho faty Arona ka hamperahina amin'ny fokon'olone agne."27Nagnano araka ijay nandidian'i Yaveh i Mosesy. Nagnanike tagne an-tampom-bohitre Hora teo amason'ny fivondrognana abiaby areo. 28Nalain'i Mosesy ny akanjo fisorognan'i Arona ka nampanôvine an'i Eleazara janagne io. Maty teo an-tampon-tendrombohitre i Arona. Ka nijotso i Mosesy sy Eleazara. 29Laha hitan'ny vondrona abiaby fa maty i Arona, die nisaogna an'i Arona nandritra ny telopolo andro ny firenena manontolo.
Chapter 21

1Laha regnin'i Kananita mpanjakan'i Arada, ijay nonigna tao Negeva, fa nandeha tagne amin'ny lalagna megnagne Atarima ny Israely, die niady tamin'Israely ijy ka nangala ny saragne tamin-dreo ho babo. 2Nivoady tamin'i Yaveh ny Israely ka nagnano hoe: "Laha omenao fandresena amin'io fokon'olo io ahay, die hipotehinay tanterake ny tanànan-dreo." 3Niteno ny feon'Israely i Yaveh ka nagnome an-dreo ny fandresena an'ireo Kananita. Nipotehin-dreo tanteraka areo sy ny tanànane. Nangihina hoe Horma ijay toerana ijay.4Nienga laha tao an-tampom-bohitre Hora nomba ny lalagna megnagne amin'ny Ranomasina Mena areo mba hienga hagnodidigna ny tanin'i Edoma. Niha-kivy tanteraka ny fokon'olo tegne an-dàlagna. 5Nivoria nanohitra an'Andriamanitra sy Mosesy ny fokon'olo hoe: "Nagnino ahay no nindôsinao nagnanika hivôka an'i Egypta mba ho faty atoy agn'efitre? Tsy misy mofo, tsy misy rano, ka halanay itoy hanina fadiranovagna itoy."6Avy teo i Yaveh nandefa bibilava misy poijina teo amin'ny fokon'olo. Nagnekitre ny olo ny bibilava; rahabe ny olo maty. 7Nagnantogna an'i Mosesy ny fokon'olo ka nagnano hoe: "Nagnota ahay satria nivoria nanohitra anao sy Yaveh. Mivavaha amin'i Yaveh mba hangalane ny bibilava aminay." Ka die nivavaka hôn'ny fokon'olo i Mosesy.8Hoy Yaveh tamin'i Mosesy hoe: "Mamboara bibilava ka afihejo amin'ny hajo lava ijay. Ijay abiaby vôkekitre die ho velogna, laha mijaha an'ijay ijy." 9Ka nambôtra bibilava varahigna Mosesy ka namehy an'ijay tamin'ny hajo lava. Laha magnekitra olo ny bibilava, laha nijaha ny bibilava varahigna ijy, die ho velogna.10Avy teo nienga ny fokon'olon'Israely ka nitoby tao Obota. 11Nienga laha tao ka nitoby tagne Leabarima tagne agn'efitre ijay magnatrike an'i Moaba tanjon'ny atsignanana areo.12Nienga laha tao areo ka nitoby tagne amin'ny Lohasahan-drieke Zareda. 13Nienga tao areo ka nitoby tagne an-dafin'ny Reniranon'i Arnona, ijay agne agn'efitre ijay miitatre avy agne amin'ny fari-tanin'ny Amorita. Reniranon'i Arnona ny fari-tanin'i Moaba, agnelagnelagn'ny Moabita sy ny Amorita.14Ijay ny antone hivorianana ao amin'ny horognan-taratasin'ny Adin'i Yaveh hoe: "Vaheba agne Sofa, ary ny lohasahan-driakan'i Arnona, 15ny antsan'ny lohasahan-drieke ijay mitarika megnagne amin'ny tanànan'i Ara ka mijotso megnagne amin'ny fari-tanin'i Moaba."16Nienga tao areo ka negnagne Bera, ijay misy ny fangalan-drano ijay nijakan'i Yaveh tamin'i Mosesy hoe: "Avorio miaraka ny fokon'olo mba hagnomejako rano an-dreo."17Avy teo nihira an'itoy hira itoy ny Israely: "Miboiboiha, ra fangalan-drano. Atôvy an-kira ijay. 18Ny fangalan-drano ijay nihadin'ny mpitarikantsena, ny fangalan-drano ijay nihadin'ny manan-kajan'ny fokon'olo tamin'ny fiokam-panjakana sy fiokan-dreo." Avy teo die nienga tao agn'efitre areo ka negnagne Matana.19Nienga tao Matana areo ka negnagne Nahaliela, ka laha tao Nahaliela negnagne Bamota, 20ka laha tao Bamota negnagne amin'ny lohasahan-driekan'ny tany Moaba. Eo an-tampon'ny Tagnambogna Pisga ny nahatsinjoana ny tany efitra.21Avy teo Israely nandefa mpitondra hafatra tagne amin'i Sihona mpanjakan'i Amorita nagnano hoe: 22"Abilay ahay hamakivaky eo amin'ny taninao. Tsy hivily agne amin'ny harenana abiaby na ny tanim-bôloboke ahay. Tsy hinogna rano laha teo amin'ny fangalan-dranonao ahay. Homba eo amin'ny lalagn'ny mpanjaka ahay mandra-pitodianay ny fari-taninao." 23Fa tsy naken'i Sihona mpanjaka homba ny fari-tanin-dreo ny Israelita. Fa koja, namory ny tafikane i Sihona mpanjaka ka nanafika an'Israely tagne agn'efitre. Avy tagny Jahaza ijy, ijay nediane tamin'Israely.24Nanafika ny tafik'i Sihona tamin'ny lelan-tsabatra ny Israely sady nangala ny tanin-dreo laha teo Arnona ka hatagne amin'ny renirano Jaboka, hatagne amin'ny tanin'ny fokon'olon'i Amona. Ary mafy ny fari-tanin'ny fokn'olon'i Amona. 25Nangala ny tanànan'ny Amorita abiaby ny Israely ka nitoboke tao amin'ijy abiaby, isan'ijay Hesboba sy ny jana-bohitrane abiaby. 26Hesbona ny tanànan'i Sihona mpanjakan'ny Amorita, ijay niady tamin'ny mpanjakan'i Moaba teo alohake. Nalain'i Sihona aby ny tanine abiaby hatagne amin'ny fari-tanine ka hatagne amin'ny Reniranon'i Arnona.27Ijay ny antone hijakanan'ireo ijay mivoria amin'ny ohabolagna hoe: "Avia atoy Hesbona. Ôka ny tanànan'i Sihona hatsangagna indraike ka hapetraka indraike. 28Nisy afo nagnoro laha tao Hesbona, lelan'afo laha tao an-tanàn'i Sihona ijay nandevogna an'i Aran'i Moaba, sy ny tampon'ny toerana ambinin'i Arnona.29Loja hônao, ry Moaba! Ripake anao, ry olon'i Kemosy. Natane ho mpilefa ny janagne lahy ka gadran'i Sihona mpanjakan'i Amorita ny janagne viave. 30Fa resinay Sihona. Hesbona die rava hatagne amin'ny lalagna abiaby megnagne Dibona. Resinay areo tegne amin'ny lalagna abiaby megnagne Nofa, ijay megnagne Medeba."31Ka nanomboka nonigna teo amin'ny tanin'ny Amorita ny Israely. 32Avy teo Mosesy nagniraka olo hijaha an'i Jazera. Nalain-dreo ny jana-bohitrane ka niroahin-dreo ijay Amorita tao.33Avy teo nivily areo ka nagnanike ho agny amin'ny lalagna megnagne Basana. Nivôke nanohitra an-dreo i Oga mpanjakan'i Basana, ijy sy ny tafikane, mba hiady amin-dreo agne Edrehy. 34Avy teo Yaveh nivoria tamin'i Mosesy hoe: "Aja matahotre an'aje, satria nomeko fandresena eo amin'ajy, ny tafikane abiaby, ary ny tanine anao. Atôvy amin'aje ijay natanao tamin'i Sihona mpanjakan'i Amorita, ijay monigna agne Hesbona." 35Ka nivonin-dreo ijy, ny janagne lahy, ary ny tafikane abiaby, mandra-pahafatin'ny olone abiaby. Avy teo die nalain-dreo ny tanine.
Chapter 22

1Nienga mandra-pitobian-dreo tao amin'ny lemak'i Moaba marivon'i Jeriko, tegne agnilan'ny Reniranon'i Jordana mienga eo amin'ny tanàna ny fokon'olon'Israely.2Nahita ijay abiaby natan'ny Israely tamin'ny Amorita i Balaka janak'i Zipora.3 Natahotra mahare ny fokon'olon'Israely i Moaba satria rahabe lôtre areo, ka nangorohoro tamin'ny fokon'olon'Israely i Moaba. 4Nijaka tamin'ny loholon'ny Midiana ny mpanjakan'ny Moaba hoe: "Hihinagna ny abiaby ijay magnodidigna antsena manahaka ny ahomby mihinagn'ahitre an-karenana egne ireo rahabe ireo." Ka i Balaka janak'i Zipora ny mpanjakan'i Moaba tamin'ijay fotôgna ijay."5Nagnirake raike ho agny amin'i Balama janak'i Beora, tao Petora ijay marivon'i Reniranon'i Eofrata, tao amin'ny tanin'ny firenenane sy fokon'olone ijy. Nangaike an'aje ijy ka nagnano hoe: "Indro, misy firenena laha tagne Egypta avy eto. Manarogna ny tany areo ka marivo an'ahy eto ijao. 6Ka mevia moa amin'ijao ka tsitsiho hôn'ahe ijay firenena ijay, satria mahery lôtre amin'ahe areo. Angamba mba afaka hanafika an-dreo sady handrôka an-dreo amin'ny tany iaho. Fantatro fa na ija na ija tahinao die ho vôtahy, ary na ija na ija tsitsihinao, die ho vôtsitsike."7Die nenga ny loholon'i Moaba sy ny loholon'i Midiana, nitondra ny saragn'ny sikidy. Avy teo amin'i Balama areo ka nijaka tamin'aje ny vorian'i Balaka. 8Hoy Balama tamin-dreo: "Mitoboha eto niany aligna. Hivoria aminareo ijay jakain'i Yaveh amin'ahe iaho." Die nitoboke tao amin'i Balama io aligna io ny mpitarik'i Moaba.9Avy teo amin'i Balama Andriamanitra ka nagnano hoe: "Ijay ny lelahy ijay avy eto aminao io? 10Namaly an'Andriamanitra i Balama hoe: "Balaka janak'i Zipora, mpanjakan'i Moaba, ny nagniraka an-dreo hegnatoy amin'ahe. Hoy ijy: 11'Indro, ny fokon'olo ijay avy laha tagne Egypta die manarogna ny velaran'ny taniko. Amin'ijao mevia ka tsitsiho areo hôn'ahe. Angamba hahefa hiady amin-dreo sady handrôka an-dreo iaho."12Namaly an'i Balama Andriamanitra hoe: "Tsy henga miaraka amin'ny lelahy ireo anao. Tsy hanitsike ny fokon'olon'Israely anao satria efa vôtahy areo." 13Nitsangagna i Balama ny maraigna ka nijaka tamin'ny mpitarik'i Balaka hoe: "Mipodia agne amin'ny taninareo satria tsy magneky ny hamela an'ahe hiaraka aminareo Yaveh." 14Die nenga ny mpitarik'i Moaba ka nipody tagne amin'i Balaka. Hoy areo: "Tsy nagneky hiaraka aminay i Balama."15Nagniraka mpitarika rahabe ijay be voninahitra kokoa noho ny vondrogna vôlohane indraike i Balaka. 16Avy tagny amin'i Balama areo ka nagnano tamin'aje hoe: "Ijao no jakain'i Balaka janak'i Zipora: 'Ôka re tsy na ino na ino hanakagna anao tsy hiaraka aminay, 17satria hagnome tsara lavitra sady hagnome voninahitra makadiry hônao iaho, ka hambôtra ijay abiaby vorianinao hatako. Ka mevia moa ka tsitsiho hôn'ahe ijay fokon'olo ijay."'18Namaly Balama ka nagnano tamin'ny lelahin'i Balaka hoe: "Na die hagnome an'ahe ny lapane feno volafotsy sy volamena aja i Balaka, die tsy hihôtre ny jakan'i Yaveh, Andriamanitro, ka handatsake na hampitombo ijay voriane amin'ahe iaho. 19Ka ankehitriny, mba mandiasa eto mandy koa moa niany aligna, mba hahafantarako ny raha bebe kokoa ijay vorianin'i Yaveh amin'ahe." 20Avy tamin'i Balama ny aligna Andriamanitra ka nagnano tamin'aje hoe: "Satria avy mba hangaike anao ireo lelahy ireo, die mitsangàna ka meraha amin-dreo. Nefa ijay jakaiko anao hamboarinao mandy no amboary."21Nifoha maraigna, nagnisy lasely ny borikine, ka nienga niaraka tamin'ny mpitarik'i Moaba. 22Nefa satria nienga ijy, die nirehitre ny havigniran'Andriamanitra. Nitoboke teo an-dalagna hôtran'ny mpifahavalo amin'i Balama, ijay nitengigna ny borikine ny anjelin'i Yaveh. Niaraka tamin'aje mandy koa ny mpanompon'i Balama roe. 23Nahita ny anjelin'i Yaveh nitsangagna teo an-dalagna ny boriky ka nisy sabatre vôtsoaka tegne an-tagnane. Nienga tamin'ny lalagna ny boriky ka negnagne an-karenana. Namioke ny boriky mba hagnapody an'aje amin'ny lalagna i Balama.24Die nitsangagna teo amin'ny faritra teroy tamin'ny lalagna agnelagnelagn'ny tanim-bôloboke rahabe ny anjely, ka nisy fefy teo an-dagnine ary nisy fefy hafa teo agnilane. 25Nahita ny anjelin'i Yaveh indraike ny boriky. Niankigna ny rindrigna ijy ka nagnatery ny hongotr'i Balama tamin'ijay. Nifihin'i Balama indraike ijy.26Nagnantogna mandy ny anjelin'i Yaveh ka nitsangagna teo amin'ny toerana teroy hafa ijay tsy misy lalagna iviliana ny andagnine sy ny agnilane. 27Nahita ny anjelin'i Yaveh ny boriky, ka lavo tamin'ny tany tao ambanin'i Balama. Nirehitre ny havigniran'i Balama, ka nifihine tamin'ny fiokane ny boriky.28Die namoha ny vavan'ny boriky i Yaveh mba hijaka ijy. Hoy ijy tamin'i Balama: "Ino ny natako anao ka nahatonga anao hamioka an'ahe ijay intelo ijay?" 29Namaly ny boriky i Balama hoe: "Satria nimôlamôla tamin'ahe anao. Tokone mba hisy sabatre tetoy an-tagnako. Fa laha nisy, die efa matiko anao niany." 30Hoy ny boriky tamin'i Balama: "Moa ve tsy iaho ny borikinao ijay nitengenanao nandritra ny fiaignanao abiaby mandraka niany? Moa ve efa nanam-pahajarana nagnano raha manahaka an'ijao taminao iaho talohake?" Hoy Balama hoe: "Tsiare."31Die nivohan'i Yaveh ny mason'i Balama, ka nahita ny anjelin'i Yaveh nitsangagna teo amin'ny lalagna ka misy sabatre vôtsôke tegne an-tagnane ijy. Nagnondrika ny lohane ka nandohalike i Balama. 32Hoy ny anjelin'i Yaveh tamin'aje: "Nagnino no namioke ny borikinao ijay intelo ijay anao? Igne, avy manahaka ny mpifahavalo aminao Iaho satria ratsy ny raha namboarinao teo alohakako. 33Nahita an'Ahy ny boriky ka nienga an'ahe ijay intelo ijay. Laha tsy nienga an'Ahe ijy, die efa nivoniko tokôtre anao fa hamelogna an'aje Iaho."34Hoy Balama tamin'i anjelin'i Yaveh: "Nagnota iaho. Tsy fantatro fa nitsangagna talohako teo an-dalagna anao. Ka ankehitriny, laha tsy mahafaly anao ijay, die hipody iaho." 35Nefa hoy ny anjelin'i Yaveh tamin'i Balama: "Mandihàna miaraka amin'ny lelahy. Nefa ny voria ijay jakaiko anao mandy no hijakainao." Die niaraka tamin'ny mpitarik'i Balaka i Balama.36Laha regnin'i Balaka fa agne i Balama, die nivôke hitsena an'aje tao an-tanànan'i Moaba tao Arnona ijy, ijay tao amin'ny faritany. 37Hoy Balaka tamin'i Balama: "Moa ve tsy nagniraka lelahy mba hangaika anao iaho? Nagnino anao no tsy avy tamin'ahe teto? Moa ve tsy afaka magnome voninahitra anao iaho?38Die namaly an'i Balaka i Balama hoe: "Indro, efa avy eto aminao iaho. Moa ve managna fahefana hivoria raha iaho niany? Ito voria ijay apetrak'i Yaveh ao am-bavako mandy no ajoko jakaina."39 Niaraka tamin'i Balaka i Balama, ka avy tao Kiriato-hozota areo. 40Die nagnano sorogna ahomby sy ondry i Balaka ka nagnome hena hôn'i Balama sy ny mpitarika ijay niaraka tamin'aje.41Ny maraigna, die nitondra an'i Balama nagnanika tagne amin'ny toerana ambonin'i Bala i Balaka. Ny ampahan'ny Israelita tao an-tobin-dreo mandy no hitan'i Balama laha tegne.
Chapter 23

1Hoy Balama tamin'i Balaka: "Magnamboara alitara fito eto hôn'ahe ka magnomagna ahombilahy fito sy ondry fito." 2Ka die nagnano ijay nangatahin'i Balama i Balaka. Die nagnome ahomby raike sy ondry raike teo amin'ny alitara abiaby i Balaka sy Balaka. 3Die hoy Balama tamin'i Balaka hoe: "Mitsangagna eo akekin'ny fagnatitra orôna die hienga iaho. Mety ho avy hihaogna amin'ahe angamba Yaveh. Na ino na ino atorone an'ahe die hivorianiko aminao." Ka die nienga negnagne amin'ny tampo-kavôna tsy nisy hajo ijy.4Laha teo amin'ny tampon-kavôna ijy, die nihaogna tamin'aje Andriamanitra, ka hoy Balama tamin'aje: "Efa nambôtre alitara fito iaho, sady efa nagnome ahombilahy raike sy ondry raike laha teo amin'ny kiraidraike." 5Nametraka hafatre teo am-bavan'i Balama i Yaveh ka nijaka hoe: "Mipodiàna agne amin'i Balaka ka mivoriana amin'aje." 6Ka die nipody tagne amin'i Balaka i Balama, ijay nitsangagna teo akekin'ny fagnatitra orôna, ary ny mpitarika an'i Moaba abiaby die niaraka tamin'aje.7Die nanomboka nivoria ny faminaniane i Balama ka nijaka hoe: "Efa nitondra an'ahe laha tagne amin'i Arama, mpanjakan'i Moaba laha tagne amin'ny tampom-bohitra atsignanana i Balaka. 'Avia tsitsiho hôn'ahe Jakoba, 'hoy ijy. 'Avia mihantsia an'Israely.' 8Amin'ny fomba akore ny hanitsihako an'ireo ijay tsy mbola nitsitsihin'Andriamanitra? Amin'ny fomba akore ny hanoherako an'ireo ijay tsy mbola notoherin'Andriamanitra?9Laha teo an-tampon'ny vatolampy no ahitako an'Aje; laha tegne amin'ny tagnambogna no hijahako an'Aje. Indro, misy fokon'olo mipetraka rerike ka tsy mieritreritre ny tegnane ho firenena tsotra.10Ija ny afaka magnisa ny vovok'i Jakoba na magnisa na die ny ampahefatr'Israely aja? Ôka ho faty amin'ny fahafatesan'ny olo-marina iaho, ka ôka ny fahataperan'ny aignako ho hôtran'ny an'aje!"11Hoy Balaka tamin'i Balama: "Ino itoy natanao tamin'ahe? Nindôsiko hanitsike ny fahavaloko anao, nefa igne, nampianao areo." 12Namaly i Balama ka nijaka hoe: "Tsy tokone hitandrigna ny hivoria an'ijay apetrak'i Yaveh eo am-bavako mandy ve iaho?"13Ka hoy Balaka tamin'aje: "Mba meraha amin'ahe ho agne an-toeran-kafa ijay hahafahanao mahita an-dreo. Ho hitanao ny marivo indrindra amin'ireo, fa tsy ijy abiaby. Agne ny hanitsihanao an-dreo hôn'ahe." 14Ka die nindôsine tao amin'ny harenan'i Zofima i Balama, teo an-tampon'ny Tagnambognan'i Pisga, ka nagnorigna alitara fito hafa ijy. Nagnome ahombilahy raike sy ondry raike teo amin'ny alitara kiraidraike ijy. 15Avy teo die hoy Balama tamin'i Balaka: "Mitsangagna eto akekin'ny fagnatitra orôna eto, laha mbola mihaogna amin'i Yaveh egne ambony egne iaho."16Ka die nihaogna tamin'i Balama i Yaveh ka nametraka hafatre teo am-bavane. Hoy Ijy hoe: "Mipodiana agne amin'i Balaka ka alefaso amin'aje ny hafatro." 17Nipody tamin'aje tagne i Balama, ka io, nitsangagna takekin'ny fagnatitra orôna teo ijy, niaraka tamin'aje ny mpitarik'i Moaba. Die hoy Balaka tamin'aje: "Ino ny nivorianin'i Yaveh?.18 Natombok'i Balama ny faminaniane. Hoy ijy hoe: "Mitsangàna, ry Balaka, ka maharignesa. Mitenoa an'ahe, anao ry janak'i Zipora.19Tsy olo Andriamanitra, ka hoe hivande, na olombelogna, ka hoe hiova hevitra. Efa nampagnantegna raha ka tsy nambôtre an'ijay ve Ijy? Efa nijaka ve Ijy fa hambôtra raha ka tsy nitanterahine ijay?20 Indro, efa nididina iaho mba hagnampy. Efa nagnome fagnampiana Andriamanitra, ka tsy afaka hamadika an'ijay iaho.21Tsy nahita ady sarotre tao amin'i Jakoba na fijaliana tao amin'Israely Ijy. Miaraka amin-dreo Yaveh Andriamanitran-dreo, ka amin-dreo eo ny hiakiaka hôn'ny mpanjakane.22 Andriamanitra ny nitondra an-dreo laha tagne Egypta tamin'ny hery hôtran'ny ny an'ny ahombidia.23Tsy misy mosavy ijay mihatra amin'i Jakoba, ka tsy misy jara-vintagna haagnisy ratsy an'Israely. Fa koja, ôka hivorianina ny amin'i Jakoba sy Israely hoe: "Jahay ijay natan'Andriamanitra!"24Io, mitsangagna manahaka ny liom-bavy ny olo, manahaka ny fivoahan'ny liogna ka mandraha. Tsy mandrimandry ijy laha tsy efa mihinagna ny ajone ka minogna ny ràn'ijay nivonine."25Die hoy Balaka tamin'i Balama: "Aja manitsike an-dreo na magnampy an-dreo akory." 26Fa namaly Balama ka nijaka tamin'i Balaka hoe: "Tsy efa nijaka taminao ve iaho fa tsy mentsy mivoria an'ijay abiaby asain'i Yaveh vorianiko?" 27Ka die namaly an'i Balama i Balaka hoe: "Avia are, hindôsiko agne amin'ny toeran-kafa anao. Angamba mety hahafaly an'Andriamanitra ny hanitsihanao an-dreo hôn'ahe agne."28Ka nindôsin'i Balama tegne amin'ny tampon'ny Tagnambogna Peora, ijay mahatsinjo ny tany efitra i Balama. 29Hoy Balama tamin'i Balaka: "Magnamboara alitara fito eto ka magnomàgna ahombilahy fito sy ondry fito." 30Ka die nambôtre araka ijay nivorianin'i Balama i Balaka; nagnome ahombilahy raike sy ondry raike teo amin'ny alitara kiraidraike ijy.
Chapter 24

1Ka laha hitan'i Balama fa sitrak'i Yaveh ny hagnampiana an'Israely, die tsy nienga nambôtre sikidy, manahaka ny tamin'ny andro taloha ijy. Fa koja nijaha negnagne amin'ny tany efitra.2Nanandratra ny masone ijy ka nahita fa nitoby isaky ny fokony aby ny Israely, ka die avy tamin'aje tao ny Fagnahin'Andriamanitra. 3Nahavôray an'ijo faminaniana ijao ijy ka nagnano hoe: "Efa hijaka i Balama janaka lahin'i Beora, ny lelahy ijay miridiridy maso.4Mijaka sady maharegny ny jakan'Andriamanitra ijy. Mahita fahitana laha tamin'ny Tsitoha ijy, ijay eo alohakane ny handohalihane amin'ny masone mijaha. 5Endrey ny hakanton'ny lainao, ry jakoba, ny toerana ijay itobohanao, ry Israely!6Manahaka ny lohasaha ny fiparitahan'ireo, manahaka ny saha egne amoron'ny renirano, manahaka ny vahogna ijay nambolen'i Yaveh, manahaka ny sedera amoron-drano.7Mikoriana laha tao an-tsinin-dreo ny rano, ka ny voa nafafine die tsara tondrake. Ny mpanjakan-dreo die ho ambone noho i Agaga, ka ny fanjakan-dreo die homen-kaja.8Andriamanitra ny nitondra an'aje mivôke an'i Egypta, amin'ny tanjaka manahaka ny ahombidia. Hiteligna ny firenena ijay manohitra an-dreo Ijy. Hanorotoro ny tôlagnan-dreo Ijy. Hitifitra an-dreo amin'ny tsipìkane Ijy.9Mamitsaka manahaka ny liogna Ijy, manahaka ny liogna vavy. Ija ny sahy hagnelingeligna an'Aje? Ijay mitahy an'aje die vôtahy; ijay manitsike an'aje die vôtsitsike."10Nirehitre tamin'i Balama ny havigniran'i Balaka ka namokogna ny tagnane tan-kavignirana ijy. Hoy Balaka tamin'i Balama: "Mangaika anao mba hanitsike ny fahavaloko iaho, fa indro, efa intelo nagnampy an'aj anao. 11Ka ilôjy iaho amin'ijao ka modia. Nijaka ny hagnome valisoa makadiry anao iaho, kanefa Yaveh efa nangala anao tamin'ny fajahoana valisoa."12Ka hoy Balama namaly an'i Balaka hoe: "Nivorianiko tamin'ny mpitondra hafatre ijay nalefanao tatoy amin'ahe fa: 13'Na die nagnome ny lapane feno volafotsy sy volamena an'ahe aja i Balaka, die tsy afaka hihôtre ny jakan'i Yaveh sy ny raha ratsy na tsara, na ny raha tiako hamboarina iaho. Ijay nivorianin'i Yaveh an'ahe mandy no ajoko vorianina.' Tsy nijakaiko tamin-dreo ve ijay? 14Ka indro ankehitriny, hipody agne amin'ny fokon'oloko iaho. Kanefa mamelà an'ahe anao hampitandrigna anao ijay hatan'ireo fokon'olo ireo amin'ny fokon'olonao amin'ny andro ho avy."15Nanomboka an'ijao faminaniana ijao i Balama. Hoy ijy hoe: "Balama janak'i Beora ny mivoria, ny lelahy ijay mahita.16 Ijao ny faminanian'ny olo ijay maharegny jak laha tamin'Andriamanitra, ijay managna fahalalana laha tamin'ny Avo indrindra, ijay managna fahitana laha tamin'ny Tsitoha, ijay eo alohakane ny andohalihane amin'ny fahitana.17Mahita an'Aje iaho, fa tsy eto Ijy ijao. Mijaha an'Aje iaho, fa tsy marivo eto Ijy. Hisy kintagna hivôka laha tamin'i Jakoba, ary tehim-panjakana hisandratre laha tamin'Israely. Hanorotoro ny mpitarik'i Moaba ijy sady hamotoka ny taranak'i Seta abiaby.18Ka die hanjary fanagnan'i Israely i Edoma, ary Seira mandy koa die hanjary fanagnan-dreo, ny fahavalon'Israely, ijay ho resin'i Israely amin-kery. 19Laha tamin'i Jakoba ny hevian'ny mpanjaka ijay hanagna ny fanapahana, ka hamotike ny sisa tsy maty ao amin'ny tanànan-dreo Ijy."20Die nijaha an'i Amaleka i Balama ka nanomboka ny faminaniane. Hoy ijy hoe: "Amaleka die efa makadiry indrindra teo amin'ny firenena taloha, kanefa die ho fahapotehana ny ho fefarane."21Avy teo die nijaha tagne amin'ny Kenita i Balama ka nanomboka ny faminaniane. Hoy ijy hoe: "Ny toerana ijay itobohanareo die mahere, ka ny akaninareo die ao amin'ny harambato. 22Na die ijany aja anefa die ho potike i Kaina laha mitondra anao ho babo i Asyria."23Ka nanomboka ny faminaniane farane i Balama. Hoy ijy hoe: "Loja! Ija ny ho velogna laha hagnano an'ijay Andriamanitra? 24Hisy sambo ho avy laha tagne amin'ny sisign'i Kitima; hanafika an'i Asyria sady handresy an'i Ebera areo, kanefa, die ho fahapotehana mandy koa ny hefaran-dreo." 25Avy teo die nagnanike i Balama ka nienga. Nody tagne an-dragnone ijy, ka nienga mandy koa i Balaka.
Chapter 25

1Nitoboke tagne Sitima ny Israely, ka nanomboka nijangajanga tamin'ny viavin'i Moaba ny lelahy, 2fa ny Moabita nagnasa ny fokon'olo hômin'ny sorogna hôn'ny andriamanitran-dreo. Ka die nihinagna sady nandohalike tamin'ny andriamanitry ny Moabita ny fokon'olo.3 Nagnatevin-daharana tamin'ny fanompôna an'i Bala Peora ny lelahin'Israely, ka nirehitra tamin'Israely ny havigniran'i Yaveh.4Hoy Yaveh tamin'i Mosesy hoe: "Vonio aby ny mpitariky ny fokon'olo ka ahantògny eo agnatrehako areo mba hampiharihariana an-dreo amin'ny andro, ijay die mba hienga tamin'Israely ny firehitry ny havignirako." 5Ka die hoy Mosesy tamin'ny mpitariky ny Israely hoe: "Ny kiraidraike aminareo die tsy mentsy hamono ny olo ijay magnatevin-daharana tamin'ny fanompôna an'i Bala Peora."6Avy teo die nagnantogna ny raike tamin'ny lelahin'Israely ka nitondra viave Midianita raike tamin'ny havane. Nipoitre tamason'i Mosesy teo sy ny fivondrognan'ny fokon'olon'Israely abiaby ijay, laha mbola nitagny teo amin'ny fidiran'ny tragno lay fihôgnana areo. 7Laha hitan'ny Finehasa janaka lahin'i Eleazara janaka lahin'i Arona mpisorogna ijay, die nitsangagna laha teo amin'ny fivondrognana ijy ka nandray lefogna tegne an-tagnane.8Nagnaraka ny lelahy Israelita tao agnaty tragno lay ijy ka nagnatroboka ny lefogna tamin'ny vatagnan'ijy roe io, na ny lelahy Israelita na ny viave. Ka die nijanogna ny areti-mandripake ijay nalefan'Andriamanitra tamin'ny fokon'olon'Israely. 9Niisa efatre arivo sy roe aligna ny matin'ny areti-mandripake.10Nijaka tamin'i Mosesy i Yaveh ka nagnano hoe: 11"I Finehasa janaka lahin'i Eleazara janaka lahin'i Arona mpisorogna, efa nangala ny havignirako tamin'ny fokon'olon'Israely satria liagna tamin'ny jotom-poko tamin-dreo ijy. Ka die tsy niteligna ny fokon'olon'Israely tamin'ny fahasahiako Iaho.12Noho ijay voriano hoe: "Yaveh mijaka hoe: "Indro, magnome fagnikem-pihavagnana an'i Finehasa Iaho. 13Hôn'aje sy ny taranakane misolo an'aje, ho fifagnikem-pisorognana tsy manam-pahataperana ijay satria nanagna jotom-po hôn'Ahe, Andriamanitra ijy. Efa nagnonitre hôn'ny fokon'olon'Israely ijy."'"14Ny agnaran'ny lelahy Israelita ijay nivonina niaraka tamin'ny viave Midianita die Zimry janak'i Salo, mpitariky ny fianakavian-drajagna tamin'ny Simeonita. 15Ny agnaran'ny viave Midianita ijay nivonina die Kosby janak'i Zora, ijay loholon'ny foko sy fianakaviana tagne Midiana.16Ka die nivoria tamin'i Mosesy i Yaveh ka nagnano hoe: 17"Reso manahaka ny fahavalo ny Midianita ka tafiho areo, 18satria areo nandray anareo hôtran'ny fahavalo tamin'ny vandin-dreo. Nitarika anareo tamin'ny ratsy areo ny momban'i Peora sy ny momban'i Kosby anakavin-dreo, ilay janaky ny mpitarika tagne Midiana, ijay nivonina tamin'ny andron'ny areti-mandripake tamin'ny raharahan'i Peora."
Chapter 26

1Ka tafaran'ny areti-mandripake ijay nivorianin'i Yaveh an'i Mosesy sy Eleazara janak'i Arona mpisorogna. Hoy Ijy hoe:2 "Isay ny fivondrognan'ny fokon'olon'Israely abiaby, hatamin'ny rôpolo taogna loho miakatre, araka ny ankohonan'ny rajambene, ireo abiaby ijay afaka hienga hiady hôn'ny Israely."3Ka Mosesy sy Eleazara mpisorogna nivoria tamin-dreo tao amin'ny tany lemak'i Moaba teo amorogn'i Jordana tao Jeriko nagnano hoe: 4"Isay ny fokon'olo, hatamin'ny rôpolo taogna loho miakatre, araka ny nandidian'i Yaveh an'i Mosesy sy ny fokon'olon'Israely, ijay nivôka ny tany Egypta.5Robena ny lahimatoan'Israely. Laha tamin'i Hanoka janagne ny fokon'ny Hanokita. Laha tamin'i Palo ny fokon'ny Paloita. 6Laha tamin'i Hezrona ny fokon'ny Hezronita. Laha tamin'i Karmy ny fokon'ny karmita. 7Io ny fokon'ny taranak'i Robenita, ijay miisa 43.730 lahy.8Janak'i Palo i Eliaba. 9Ka ny janak'i Aliaba die Nemoela sy Datana ary Abirama. Io mandy ny Datana sy Abirama ijay nagnaraka an'i Kora laha nanohitra an'i Mosesy sy Arona ka nikomy an'i Yaveh.10Namoha ny vavane ny tany ka niteligna an-dreo niaraka tamin'i Kora laha maty aby ny mpagnaraka an'aje. Tamin'ijay fotôgna ijay, ny afo nandevogna 250 lahy, ijay nanjary famantarana fampitandremana. 11Kanefa tsy lany tamingagna ny taranak'i Kora.12Ny fokon'ny taranak'i Simeona die ito aby: laha tamin'i Nemoela, ny fokon'ny Nemoelita, laha tamin'i Jamima, ny fokon'ny Jaminita, laha tamin'i Jakina, ny fokon'ny Jakinita, 13laha tamin'i Zera, ny fokon'ny Zerita, laha tamin'i Saoly, ny fokon'ny Saolita. 14Io ny fokon'ny taranak'i Simeonita, ijay miisa 22.200 lahy.15Ny fokon'ny taranak'i Gada die ito aby: laha tamin'i Zefona, ny fokon'ny Zefonita, laha tamin'i Hagy, ny fokon'ny Hagita, laha tamin'i Sony, ny fokon'ny Sonita, 16laha tamin'i Ozny, ny fokon'ny Oznita, laha tamin'i Era, ny fokon'ny Erita, 17laha tamin'i Aroda, ny fokon'ny Arodita, laha tamin'i Arely, ny fokon'ny Arelita. 18Io ny fokon'ny taranak'i Gada, ijay miisa 40.500 lahy.19Era sy Onana ny janak'i Joda, nefa maty tao amin'ny tany Kanana ireo lelahy ireo. 20Ny fokon'ny taranak'i Joda die ito aby: laha tamin'i Sela, ny fokon'ny Selita, laha tamin'i Fareza, ny fokon'ny Farezita, laha tamin'i Zera, ny fokon'ny Zerita.21 Ny taranak'i Fareza die io aby: laha tamin'i Hezrona, ny fokon'ny Hezronita, laha tamin'i Hamola ny fokon'ny Hamolita. 22Io ny fokon'ny taranak'i Joda, ijay miisa 76.500 lahy.23Ny fokon'ny taranak'Isakara die ito aby: laha tamin'i Tola, ny fokon'ny Tolita, laha tamin'i Pova, ny fokon'ny Povita, 24laha tamin'i Jasoba, ny fokon'ny Jasobita, laha tamin'i Simrona, ny fokon'ny Simronita. 25Io ny fokon'ny taranak'Isakara, ijay miisa 64.300 lahy.26Ny fokon'ny taranak'i Zebolona die ito aby: laha tamin'i Sereda, ny fokon'ny Seredita, laha tamin'i Elona, ny fokon'ny Elonita, laha tamin'i Jahalela, ny fokon'ny Jahalelita. 27Io ny fokon'ny Zebolonita, ijay miisa 60.500 lahy.28Ny fokon'ny taranak'i Josefa die i Manase sy Efraima. 29Ny taranak'i Manase die ito aby: laha tamin'i Makira, ny fokon'ny Makirita(Makira ny iaban'i Gileada, laha tamin'i Gileada, ny fokon'ny Gileadita.)30Ny taranak'i Gileada die ito aby: laha tamin'i Jezera, ny fokon'ny Jezerita, laha tamin'i Heleka, ny fokon'ny Helekita, 31laha tamin'i Asriela, ny fokon'ny Asrielita, laha tamin'i Sekema, ny fokon'ny Sekemita, 32laha tamin'i Semida, ny fokon'ny Semedita, laha tamin'i Hefera, ny fokon'ny Heferita.33Ary Zelofada janak'i Hefera die tsy nanan-janakalahy, fa janaka vavy mandy. Ny agnaran'ny janaka viavine die Mahala sy Noa sy Hogla sy Milka ary Tirza. 34Io ny fokon'i Manase, ijay miisa 52.700 lahy.35Ny fokon'ny taranak'i Efraima die ito aby: laha tamin'i Sotela, ny fokon'ny Sotelita, laha tamin'i Bekera, ny fokon'ny Bekerita, laha tamin'i Tahana, ny fokon'ny Tahanita. 36Ny taranak'i Sotela, die laha tamin'i Erana, ny fokon'ny Eranita. 37Io ny fokon'ny taranak'i Efraima, ijay miisa 32.500. Io ny fokon'ny taranak'i Josefa, isaina ao amin'ny taranakane kiraidraike.38Ny fokon'ny taranak'i Benjamina die ito aby: laha tamin'i Bela, ny fokon'ny Belita, laha tamin'i Asibela, ny fokon'ny Asibelita, laha tamin'i Ahirama, ny fokon'ny Ahimarita, 39laha tamin'i Sefofama, ny fokon'ny Sefofamita, laha tamin'i Hofama, ny fokon'ny Hofamita. 40Ny janaka lahin'i Bela die i Arda sy Namana. Laha tamin'i Arda najahôna ny fokon'ny Ardita, laha tamin'i Namana najahôna ny fokon'ny Namanita. 41Io ny fokon'ny taranak'i Benjamina. Miisa 45.600 lahy areo.42Ny fokon'ny taranak'i Dana die, laha tamin'i Sohama, ny fokon'ny Sohamita. Io ny fokon'ny taranak'i Dana. 43Ny fokon'i Sohamita manontolo die miisa 64.400 lahy.44Ny fokon'ny taranak'i Asera die ito aby: laha tamin'i Jimna, ny fokon'ny Jimnita, laha tamin'i Jisvy, ny fokon'ny Jisvita, laha tamin'i Bena, ny fokon'ny Berita. 45Ny taranak'i Bena die ito aby: laha tamin'i Hebera, ny fokon'ny Heberita, laha tamin'i Malkiela, ny fokon'ny Malkielita. 46Ny agnaran'ny janakavavin'i Asera die Sera. 47Io ny fokon'ny taranak'i Asera, ijay miisa 53.400 lahy.48Ny fokon'ny taranak'i Naftaly die ito aby: laha tamin'i Jaziela, ny fokon'ny Jazielita, laha tamin'i Gony, ny fokon'ny Gonita, 49laha tamin'i Jezera, ny fokon'ny Jezerita, laha tamin'i Silema, ny fokon'ny Silemita. 50Io ny fokon'ny taranak'i Naftaly, ijay miisa 45.400 lahy.51Io ny isa fenon'ny lelahy teo amin'ny fokon'olon'Israely die 601.730.52Yaveh nivoria tamin'i Mosesy ka nagnano hoe: 53"Ny tany die tsy mentsy jaraina eo amin'ny lelahy hôtran'ny ny lova raike araka ny isan'ny agnarane aby.54Ny amin'ny foko makadiry die tsy mentsy omenao lova rahabe, ary ny amin'ny foko kelikely die tsy mentsy omenao lova kitike. Ny amin'ny fianakaviana abiaby die tsy mentsy omenao lova araka ny isan'ny lelahy ijay vôisa. 55Na ijay aja, ny tany tsy mentsy sarahina amin'ny filokana kisendrasendra. Mandova ny tany areo laha hijaraina eo amin'ny fokon'ny rajambene ijay. 56Ny lovane die tsy mentsy mijara eo amin'ny foko angejabe sy kitike, nijaraina an-dreo tamin'ny filokana kisendrasendra."57Ny fokon'i Levita, isaina foko isam-poko, die ito aby: laha tamin'i Gersona, ny fokon'ny Gersonita, laha tamin'i Kehata, ny fokon'ny Kehatita, laha tamin'i Merary, ny fokon'ny Merarita. 58Ny fokon'i Levy die ito aby: ny fokon'ny Libnita, ny fokon'ny Hebronita, ny fokon'ny Mahalita, ny fokon'ny Mosita, ny fokon'ny Koralta. Ary Kehata ny rajamben'i Amrama. 59Ny agnaran'ny sakejan'i Amrama die i Jokebeda, taranak'i Levy, ijay nateraky ny Levita tagne Egypta. Die niteraka ny janagne tamin'i Amrama ijy, die i Arona sy Mosesy ary Miriama anakavine.60Arona niteraka an'i Nadaba sy Abiho, Eleazara ary Itamara. 61Maty i Nadaba sy Abiho laha nagnome afo tsy ajo akena teo talohakan'i Yaveh areo. 62Ny lelahy ijay nisaina teo amin-dreo die miisa telo arivo sy roe aligna, die ny lelahy abiaby hatamin'ny ray volagna loho miakatre. Fa tsy vôisa teo amin'ny taranak'Israely areo satria tsy nisy lova nomena an-dreo teo amin'ny fokon'olon'Israely.63Io ny raha ijay vôisan'i Mosesy sy Eleazara mpisorogna. Nagnisa ny fokon'olon'Israely tao amin'ny lemak'i Moaba teo amorogn'i Jordana tao Jeriko areo. 64Nefa teo amin'ijay die tsy nisy olo laha tamin'ijay vôisan'i Mosesy sy Arona mpisorogna nagnisa ny taranak'Israely tao agn'efitr'i Sinay.65Satria Yaveh fa nivoria fa ho faty agne agn'efitre tokôtre ireo olo abiaby ireo. Tsy nisy olo sisa tavela teo amin-dreo, hafa-tsy Kaleba janak'i Jefona sy Josoa janak'i Nona.
Chapter 27

1Die avy tamin'i Mosesy ny janakavavin'i Zelofada janaka lahin'i Hefera janaka lahin'i Gileada janaka lahin'i Makira janaka lahin'i Manase, laha tamin'ny fianakaviam-ben'i Manase janaka lahin'i Josefa. Ito aby ny agnaran'ny janagne viave: Mahala, Noa, Hogla, Milka, ary Tirza.2Nitsangagna teo agnatrehan'i Mosesy, Eleazara mpisorogna, ny mpitarika, ka teo alohakan'ny firaha-monigna abiaby teo amin'ny fidirana ao amin'ny tragno lay fihôgnana areo. Hoy areo: 3"Maty tagne agn'efitre iabanay. Tsy agnisan'ireo ijay niray tetike tao amin'ny antokon'i Kora hanohitra an'i Yaveh ijy. Matin'ny fahotana mandy ijy, ka tsy nanan-janaka lahy.4Nagnino ny agnaran'iabanay no nalaina tamin'ny fikambagnan'ny fianakaviam-bene satria tsy nanagn'anaka lahy ijy? Omeo tany eo amin'ny havan'iabanay ahay." 5Die nindôsin'i Mosesy teo alohakan'i Yaveh ny raharahan-dreo.6Nijaka tamin'i Mosesy i Yaveh ka nagnano hoe: 7"Marina ny vorian'ny janakavavin'i Zelofada. Tokone hagnome tany hôn-dreo tokôtre anao laha tamin'ny lovan'ny havan'iabane, ka tokone ho ajonao antoke fa ny lovan'ny iaban-dreo die tafita amin-dreo tokôtre. 8Tokone hivoria amin'ny fokon'olon'Israely anao ka jakay hoe: "Laha misy olo maty ka tsy manan-janaka lahy, die tokone hafindranao amin'ny janakavavine ny lovane.9Laha tsy manan-janakavavy ijy, die homenareo ny rahalahine ny lovane.10 Laha tsy managna rahalahy ijy, die homenao ny rahalahin'iabane ny lovane. 11Laha tsy managna rahalahy iabane, die homenao ny havane akeke eo amin'ny fianakaviambe ny lovane, ka hangala an'ijay hôn'aje ijy. Ho lalàna mafy haorigna amin'ny didy hôn'ny fokon'olon'Israely ijay, araka ijay efa nandidian'i Yaveh an'ahe.12Hoy Yaveh tamin'i Mosesy: "Magnanihà egne tampom-bohitra Abarima ka jahay ny tany ijay nomeko ny fokon'olon'Israely. 13Afaran'ny fahitanao an'ijay, anao, mandy koa, die havory agne amin'ny fokon'olonao, hôtran'i Arona rahalahinao. 14Hipoitre ijay satria anareo roe die nikomy hanohitra ny didiko tagne agn'efitr'i Sinay. Agne, laha mikoriagna amin'ny vatolampy ny rano, amin'ny havigniranao ny tsy nahavitanao nagnome voninahitra an'Ahe ho masigna teo amason'ny fivondrognana manontolo." Io ny ranon'i Meriban'i Kadesy agne amin'ny efitr'i Sinay.15Die nivoria tamin'i Yaveh i Mosesy ka nijaka hoe: 16"Ôka anao, ry Yaveh, Andriamanitry ny fagnahin'olombelogna abiaby, hanondro olo eo amin'ny fivondrognana, 17olo ijay hivôka sy hiditra eo amin-dreo sady hitarika an-dreo sy hitondra an-dreo, mba tsy hôtran'ny ondry tsy misy mpiambigna ny fivondrognanao."18Yaveh nijaka tamin'i Mosesy hoe: "Alay Josoa janak'i Nona, lelahy ijay ipetrahan'ny Fagnahiko, apitrahy amin'aje ny tagnanao. 19Apitraho eo alohakan'i Eleazara mpisorogna sy eo alohakan'ny fivondrognana abiaby ijy, ka mandidia an-dreo eo alohakan'ny mason-dreo mba hitaritana an-dreo.20Ôka anao hametraka ny fahefanao saragne amin'aje, mba hankatoavan'ny fiarahamonign'ny Israely abiaby an'aje. 21Hienga eo alohakan'i Eleazara mpisorogna mba handrembe ny lahatro hôn'aje amin'ny fanapahan-kevitr'i Orima ijy, Hômin'ny didine ny handihanan'ny olo mivôke sy miditra, die ijy sy ny fokon'olon'Israely abiaby miaraka amin'aje, ny fivondrognana manontolo."22Die namboarin'i Mosesy ijay nandidian'i Yaveh hamboarine. Nalaine i Josoa ka napetrakane eo alohakan'i Eleazara mpisorogna sy ny fiaraha-monigna manontolo ijy.23 Nametraka ny tagnane tamin'aje ka nandidy an'aje mba hitarika, araka ijay efa nandidian'i Yaveh hamboarine.
Chapter 28

1Nivoria tamin'i Mosesy i Yaveh ka nagnano hoe: 2"Bekoy ny fokon'olon'Israely ka voriano areo hoe: 'Tsy mentsy magnome sorogna hôn'Ahe anao amin'ny fotôgna vôtondro, die ny hanina fagnatitro natao tamin'ny afo mba hamokarana hagnitre ankasitrahana hôn'Ahe.'3Tsy mentsy jakainao mandy koa areo hoe: "Ijao ny fagnatitra natao tamin'ny afo ijay tsy mentsy omenao hôn'i Yaveh- janak'ondry lahy herintaogna tsy manan-kilema, roe isan'andro, ho fagnatitra orôna mahajatre. 4Janak'ondry raike ny tsy mentsy omenao amin'ny maraigna, ka janak'ondry raike hafa die tsy mentsy omenao amin'ny hariva. 5Tsy mentsy magnome koba tsara toto ampahafolon'ny efaha, mifangaro diloilo vôkapoka raike ampahefatry ny hina ho fagnatitra hohanina anao.6Ijay ny fagnatitra orôna mahajatre ijay nididina tao an-tampom-bohitre Sinay mba hamokatre hagnitre mamerovero, fagnatitra raike natao tamin'ny afo hôn'i Yaveh. 7Ny fagnatitra nomina miaraka amin'ijay die tsy mentsy raike ampahefatry ny hina ny an'ny janak'ondry raike. Tsy mentsy ararakao eo amin'ny toerana masina ny fagnatitra nomin'ny java-pisotro mahery hôn'i Yaveh. 8Ny janak'ondry hafa die tsy mentsy omenao miaraka amin'ny fagnatitra hohanina hafa amin'ny hariva hôtran'ny nomenao tamin'ny maraigna. Tsy mentsy magnome fagnatitra nomina miaraka amin'ijay mandy koa anao, fagnatitra natao tamin'ny afo, mba hamokatre hagnitre ankasitrahana hôn'i Yaveh.9Amin'ny andro Sabata die tsy mentsy magnome janak'ondrilahy roe anao, samby herintaogna tsy manan-kilema, sy koba tsara toto roe ampahafolon'ny efaha ho fagnatitra hohanina, mifangaro diloilo, sy fagnatitra nomina miaraka amin'ijay.10 Ijay die hôn'ny fagnatitra orôna isaky ny Sabata, ho fagnampin'ny fagnatitra orôna mahajatre sy ny fagnatitra orôna miaraka amin'ijay.11Isaky ny fendohan'ny volagna, die tsy mentsy magnome fagnatitra orôna hôn'i Yaveh anao. 12Tsy mentsy magnome vatotr'ahombilahy roe, ondrilahy raike, ary janak'ondrilahy herintaogna tsy manan-kilema. Tsy mentsy magnome koba tsara toto telo ampahafolon'ny efaha ho fagnatitra hohanina mifangaro diloilo hôn'ny ondrilahy raike mandy koa anao. Tsy mentsy magnome koba tsara toto 13mifangaro diloilo ampahafolon'ny efaha ho fagnatitra hohanina isaky ny janak'ondry mandy koa anao. Ijay ny ho fagnatitra orôna, mba hamokatre hagnitre mamerovero, fagnatitra natao tamin'ny afo hôn'i Yaveh.14Tsy mentsy asasaky ny hinan-dovay hôn'ny ahomby raike ny fagnatitra nomin'ny fokon'olo, ampahatelon'ny hina ny an'ny ondrilahy raike, ary raike ampahefatry ny hina ny an'ny janak'ondry raike. Die ijay ny fagnatitra orôna isam-bolagna mandritra ny volagnan'ny taogna. 15Ondrilahy raike ho fagnatitra nohon'ny fahotana hôn'i Yaveh ny tsy mentsy omena. Ijay die ho fagnampin'ny fagnatitra orôna mahajatre sy ny fagnatitra nomina miaraka amin'ijay.16Mandritra ny volagna vôlohane, amin'ny fahefatre ambin'ny folon'ny volagna, no avy ny Paskan'i Yaveh. 17Amin'ny andro fahadimy ambin'ny folon'ijay volagna ijay ny hamboarana ny fety. Mandritra ny fito andro, tsy mentsy mofo tsy misy masirasira ny hohanina. 18Amin'ny andro vôlohane, die tsy mentsy hisy fengonana masina hagnomejana voninahitra an'i Yaveh. Ôka tsy hambôtra ny asa mahajatre anao amin'ijay andro ijay.19Fa koja, tsy mentsy magnome fagnatitra atao amin'ny afo anao, die fagnatitra orôna hôn'i Yaveh. Tsy mentsy magnome vatotr'ahombilahy roe, ondrilahy raike, ary janak'ondry herintaogna fito, tsy manan-kilena anao. 20Miaraka amin'ny ondry, die tsy mentsy magnome fagnatitra hohanina koba tsara toto mifangaro diloilo telo ampahafolon'ny efaha anao, ka miaraka amin'ny ondrilahy, roe ampahafolone. 21Isaky ny raike amin'ny janak'ondry fito, die tsy mentsy magnome koba tsara toto ampahafolon'ny efaha anao, 22osilahy raike ho fagnatitra nohon'ny fahotana mba hamboarana fagnavotana hôn'ny tegnanareo.23Tsy mentsy homenao ho fagnampin'ny fagnatitra orôna mahajatre takina isa-maraigna io. 24Araka ny vôfaritra eto, tsy mentsy omenao isan'andro io sorogna io, mandritra ny fito andron'ny Paska, die ny fagnatitra hohanina natao tamin'ny afo, hagnitre ankasitrahana hôn'i Yaveh. Tsy mentsy omenao ijay ho fagnampin'ny fagnatitra orôna mahajatre sy ny fagnatitra nomina miaraka amin'ijay. 25Amin'ny andro fahafito die tsy mentsy miaraka amin'ny fengonana masina mba hagnome voninahitra an'i Yaveh anao, ka ôka tsy hambôtra ny raharaha mahajatre anao amin'ijay andro ijay.26Amin'ny andron'ny vôloham-bokatra mandy koa, laha magnome fagnatitra hohanina vaovao hôn'i Yaveh amin'ny Herignandron'ny Fifalifaliana anao, die tsy mentsy miaraka amin'ny fengonana masina mba hagnome voninahitra an'i Yaveh anao, ka tsy mahajo magnano ny asa mahajatre anao amin'ijay andro ijay. 27Tsy mentsy magnome fagnatitra orôna mba hajahôna hagnitre mamerovero hôn'i Yaveh anao. Tsy mentsy magnome vatotr'ahombilahy roe, ondrilahy raike, ary janak'ondrilahy herintaogna fito anao. 28Magnomeja mandy koa fagnatitra hohanina miaraka amin'io: die koba tsara toto mifangaro diloilo, koba tsara toto mifangaro diloilo telo ampahafolon'ny efaha hôn'ny ahombilahy kiraidraike ka roe ampahafolone hôn'ny ondrilahy raike.29Magnomeja koba tsara toto mifangaro diloilo hôn'ny janak'ondry fito kiraidraike aby, 30sy osilahy raike mba hamboarana fagnavotana hôn'ny tegnanareo. 31Laha magnome an'io biby tsy manan-kilema io anao, miaraka amin'ny fagnatitra nomine, ijay die fagnampin'ny fagnatitra mahajatre sy ny fagnatitra orôna miaraka amin'ijay."
Chapter 29

1"Amin'ny volagna fahafito, amin'ny andro vôlohan'ny volagna, die tsy mentsy hagnano fivoriana masina hankalajana an'i Yaveh anareo. Tsy hambôtre ny raharaha mahajatre anareo amin'ijay andro ijay. Ho andro fitsofana ny trompetra hônareo ijay.2Tsy mentsy magnome fagnatitra orôna hahatonga hagnitra mamerovero hôn'i Yaveh anareo. Tsy mentsy magnome vatotr'ahombilahy raike, ondrilahy raike, ary janak'ondry lahy herintaogna fito, samby tsy manan-kilema anareo.3Tsy mentsy magnome miaraka amin'ny fagnatitra hohanina, koba tsara toto vôharo diloilo, telo ampahafolon'ny efaha hôn'ny ahombilahy, roe ampahafolone hôn'ny ondrilahy, 4ka ampahafolone hôn'ny janak'ondry kiraidraike amin'ny janak'ondry fito anareo. 5Tsy mentsy magnome osilahy raike ho fagnatitra nohon'ny fahotana ho fagnavotana anareo anareo.6Amboary ito fagnatitra ito amin'ny volagna fahafito ho fagnampin'ny fagnatitra abiaby ijay hamboarinareo isaky ny vôloham-bolagna: ny fagnatitra orôna vôtokagna sy ny fagnatitra hohanina ny hiaraka amin'ijay. Io die ho fagnampin'ny fagnatitra orôna mahajatre, ny fagnatitra hohanina momba an'io, ary ny fagnatitra ahidin'ijay. Laha magnano an'ijay fagnatitra ijay anareo, die hankatò ijay vôdidy mba hahatonga hagnitre mamerovero, fagnatitra natao tamin'ny afo hôn'i Yaveh.7Amin'ny andro fahafolon'ny volagna fahafito die tsy mentsy hisy fivoriana masina hankalajana an'i Yaveh. Tsy mentsy hanetry ny tegnanareo anareo ka tsy hiasa. 8Tsy mentsy magnome fagnatitra orôna mba hahatonga hagnitre mamerovero hôn'i Yaveh anareo. Tsy mentsy magnome vatotr'ahombilahy raike, ondrilahy raike, ary janak'ondry lahy fito herintaogna anareo. Tokone samby tsy manan-kilema io.9Tsy mentsy homenareo miaraka amin'io ny fagnatitra hohanina, koba tsara toto vôharo diloilo, telo ampahafolon'ny efaha hôn'ny ahombilahy, roe ampahafolone hôn'ny ondrilahy, 10ka ampahafolon'ny efaha hôn'ny kiraidraike amin'ny janak'ondry fito. 11Tsy mentsy magnome osilahy raike ho fagnatitra nohon'ny fahotana anareo. Ho fagnampin'ny fagnatitra nohon'ny fahotana ho fagnavotana, ny fagnatitra orôna mahajatre, ny fagnatitra hohanina momba an'io, ary ny fagnatitra nomina amin'ijay.12Amin'ny andro fahadimy ambin'ny folon'ny volagna fahafito die tsy mentsy hisy fivoriana masina hankalajana an'i Yaveh. Tsy mahajo magnano ny raharaha mahajatre anareo amin'ijay andro ijay, ka tsy mentsy mitandrigna ny fifalifaliana hôn'Aje mandritra ny fito andro. 13Tsy mentsy magnome fagnatitra orôna anareo, sorogna natao tamin'ny afo hahatonga hagnitre mamerovero hôn'i Yaveh. Tsy mentsy magnome vatotr'ahombilahy telo ambin'ny folo, ondrilahy roe, ary janak'ondry lahy herintaogna efatre ambin'ny folo. Ôka ho samby tsy manan-kilema io.14Tsy mentsy omenareo miaraka amin'ny fagnatitra hohanina, koba tsara toto vôharo diloilo, telo ampahafolon'ny efaha hôn'ny ahombilahy kiraidraike amin'ny ahombilahy telo ambin'ny folo, roe ampahafolone hôn'ny ondrilahy kiraidraike amin'ny ondrilahy roe, 15ary ampahafolon'ny efaha hôn'ny kiraidraike amin'ny janak'ondry efatre ambin'ny folo. 16Tsy mentsy magnome osilahy raike ho fagnatitra nohon'ny fahotana ho fagnampin'ny fagnatitra orôna mahajatre, ny fagnatitra hohanina momba an'io, ary ny fagnatitra nomina amin'ijay anareo.17Amin'ny andro faharoen'ny fivoriana, die tsy mentsy magnome vatotr'ahombilahy roe ambin'ny folo, ondrilahy roe, ary janak'ondry lahy efatre ambin'ny folo herintaogna, samby tsy manan-kilema anareo. 18Tsy mentsy amperahinareo amin'io ny fagnatitra hohanina, ny fagnatitra nomina hôn'ny ahombilahy, hôn'ny ondrilahy, sy hôn'ny janak'ondry, namboara fagnatitra rahabe araka ijay vôdidy. 19Tsy mentsy magnome osilahy raike ho fagnatitra nohon'ny fahotana ho fagnampin'ny fagnatitra orôna mahajatre, ny fagnatitra hohanina momba an'io, ary ny fagnatitra nomina amin'ijay anareo.20Amin'ny andro fahatelon'ny fivoriana, die tsy mentsy magnome ahombilahy roe ambin'ny folo, ondrilahy roe, ary janak'ahomby herintaogna efatre ambin'ny folo, samby tsy manan-kilema anareo. 21Tsy mentsy amperahinareo amin'io ny fagnatitra hohanina sy ny fagnatitra nomina hôn'ny ahombilahy, hôn'ny ondrilahy, ary hôn'ny janak'ondry, mamboara fagnatitra rahabe araka ijay vôdidy. 22Tsy mentsy magnome osilahy raike ho fagnatitra nohon'ny fahotana ho fagnampin'ny fagnatitra orôna mahajatre, ny fagnatitra hohanina momba an'io, ary ny fagnatitra nomina amin'ijay anareo.23Amin'ny andro fahefatry ny fivoriana, die tsy mentsy hagnome ahombilahy folo, ondrilahy roe, ary janak'ondry lahy herintaogna efatre ambin'ny folo, samby tsy manan-kilema anareo. 24Tsy mentsy amperahinareo amin'io ny fagnatitra hohanina, ny fagnatitra nomina hôn'ny ahombilahy, hôn'ny ondrilahy, sy hôn'ny janak'ondry, mamboara fagnatitra rahabe araka ijay vôdidy. 25Tsy mentsy magnome osilahy raike ho fagnatitra nohon'ny fahotana ho fagnampin'ny fagnatitra orôna mahajatre, ny fagnatitra hohanina momba an'io, ary ny fagnatitra aidiny anareo.26Amin'ny andro fahadimin'ny fivoriana, die tsy mentsy magnome ahombilahy sivy, ondrilahy roe, ary janak'ondry lahy herintaogna efatre ambin'ny folo, samby tsy manan-kilema anareo. 27Tsy mentsy amperahinareo amin'io ny fagnatitra hohanina, ny fagnatitra nomina hôn'ny ahombilahy, hôn'ny ondrilahy, sy hôn'ny janak'ondry, mamboara fagnatitra rahabe araka ijay vôdidy. 28Tsy mentsy magnome osilahy raike ho fagnatitra nohon'ny fahotana ho fagnampin'ny fagnatitra orôna mahajatre, ny fagnatitra hohanina momba an'io, ary ny fagnatitra nomina amin'ijay anareo.29Amin'ny andro faheninan'ny fivoriana, die tsy mentsy magnome ahombilahy valo, ondrilahy roe, ary janak'ondry lahy herintaogna efatre ambin'ny folo, samby tsy manan-kilema anareo. 30Tsy mentsy amperahinareo amin'io ny fagnatitra hohanina, ny fagnatitra nomina hôn'ny ahombilahy, hôn'ny ondrilahy, sy hôn'ny janak'ondry, mamboara fagnatitra rahabe araka ijay vôdidy. 31Tsy mentsy magnome osilahy raike ho fagnatitra nohon'ny fahotana ho fagnampin'ny fagnatitra orôna mahajatre, ny fagnatitra hohanina momba an'io, ary ny fagnatitra nomina amin'ijay anareo.32Amin'ny andro fahafiton'ny fivoriana, die tsy mentsy magnome ahombilahy fito, ondrilahy roe, ary janak'ondry lahy herintaogna efatre ambin'ny folo, samby tsy manan-kilema anareo. 33Tsy mentsy amperahinareo amin'io ny fagnatitra hohanina, ny fagnatitra nomina hôn'ny ahombilahy, hôn'ny ondrilahy, sy hôn'ny janak'ondry, mamboara fagnatitra rahabe araka ijay vôdidy. 34Tsy mentsy magnome osilahy raike ho fagnatitra nohon'ny fahotana ho fagnampin'ny fagnatitra orôna mahajatre, ny fagnatitra hohanina momba an'io, ary ny fagnatitra nomina amin'ijay anareo.35Amin'ny andro fahavalo die tsy mentsy hagnano fivoriana magnetriketrike hafa anareo. Tsy mahajo magnano ny asa mahajatre anareo amin'ijay andro ijay. 36Tsy mentsy magnome fagnatitra orôna anareo, fagnatitra natao tamin'ny afo mba hahatonga hagnitre hôn'i Yaveh. Tsy mentsy magnome ahombilahy raike, ondrilahy raike, ary janak'ondry lahy herintaogna fito, samby tsy manan-kilema anareo.37Tsy mentsy magnome ny fagnatitra hohanin-dreo sy fagnatitra nomina hôn'ny ahombilahy, hôn'ny ondrilahy, ary hôn'ny janak'ondry, mamboara fagnatitra rahabe araka ijay vôdidy anareo. 38Tsy mentsy magnome osilahy raike ho fagnatitra nohon'ny fahotana ho fagnampin'ny fagnatitra orôna mahajatre, ny fagnatitra hohanina momba an-dreo, ary ny fagnatitra nomina amin'ijay anareo.39Io ny tsy mentsy haterinao hôn'i Yaveh amin'ny fifalifaliana ijay efa vôfaritre. Ho fagnampin'ny voady sy fagnatitra an-tsitraonao ijay. Tsy mentsy magnome an'ijay ho fagnatitra orôna, fagnatitra hohanina, fagnatitra aidigna, sy fagnati-pihavagnana anareo." 40Nivorianin'i Mosesy tamin'ny fokon'olon'Israely ny raha abiaby ijay nandidian'i Yaveh an'aje hijakaina.
Chapter 30

1Nijaka tamin'ny mpitarika ny fokon'ny fokon'olon'Israely i Mosesy. Hoy ijy hoe: "Ijao ny nandidian'i Yaveh. 2Laha misy mivoady amin'i Yaveh, na magnano fifantana hamehy ny tegnane amin'ny fampagnantenana, die ôka ijy tsy hivadika amin'ny jakane. Ôka ijy hitagna ny fampagnantenane hambôtra ijay abiaby navôkan'ny vavane.3Laha misy tohovavy mitoboke ao an-dragnon'iabane ka magnano voady amin'i Yaveh ka mamehy ny tegnane amin'ny fampagnantenana, 4laha maharegny ny voady iabane ka mifanta amin'ijay namihejane ny tegnane, ka laha tsy mijaka na ino na ino ijy mba hamlivadika an'aje, die hanan-kery mandy ny voadine. Ny fampagnantenana abiaby ijay namihejane ny tegnane die hanan-kery hatragne.5Fa laha maharegny momba ny voadine sy ny fampagnantenane iabane, ka laha tsy mijaka na ino na ino amin'aje, die ny voady abiaby ijay natane tamin'ny tegnane die hanan-kery hatragne.6Kanefa, laha maharegny ny voadine abiaby ijay namboarine sy ny fampagnantenana magnetriketrike natane ijay namihejane ny tegnane iabane, ka laha manapaka an'aje ijy amin'io andro io mandy, die tsy hijanogna hanan-kery ireo. Hamela an'aje Yaveh satria nanapaka an'aje iabane. 7Laha manambady lelahy raike ijy ka mbola vôfehin'io voady, na magnano fampagnantenana memeke ijay hanirene ny tegnane, die hanan-kery hatragne io fanirena io.8Fa laha manakagna an'aje amin'ny andro aharignesane momba an'ijay iabane, die hagnafôgna ny voady ijay namboarine ijy, die ny jaka memeke natan'ny molotrane ijay namihejane ny tegnane. Hagnafaka an'aje Yaveh.9Fa ny amin'ny mpitondrategna na viave nisara-bady, ijay abiaby namihejane ny tegnane die hanan-kery amin'aje hatragne. 10Laha misy viave nambôtre voady tao an-dragnon'ny sakejane na nanery ny tegnane tamin'ny famboarana fifantana, 11ka regnin'ny sakejane ijay, kanefa tsy mijaka na ino na ino amin'aje ijy ka tsy manohitra an'aje, die ôka hipetra ny voadine abiaby ka ôka hijanogna hanan-kery ny fanirena namboarine.12Fa laha foagnan'ny sakejane io amin'ny andro ijay naharignesane momba an'ijay, ijay abiaby navôkan'ny molotrane momba ny voady na fampagnantenana die tsy hanan-kery. Efa nifoagnan'ny sakejane ijay. Hagnafaka an'aje Yaveh.13Ny voady abiaby ijay amboarin'ny viave raike ka mamehy an'aje handà ny tegnane die mety hamafisina na hifoagnan'ny sakejane. 14Fa laha tsy mijaka na ino na ino amin'aje isan'andro ijy, die magnamafy ny voadine abiaby ijy ka mamehy ny fampagnantenana ijay namboarine. Nihamafisine io satria tsy nivoria na ino na ino tamin'aje ijy tamin'ny fotôgna naharignesane momba an'io.15Laha mirembe ny hagnafoagnana ny voadin'ny sakejane fotôgna ela tafaran'ny naharignesane momba an'ijay ny lelahy, die ijy ny ho tompon'antoke amin'ny fahotane." 16Io ny lalàna nandidian'i Yaveh mba hatoron'i Mosesy- lalàna hôn'ijay eo amin'ny lelahy sy ny sakejane eo amin'iabane sy ny janagne viave laha ao agnatin'ny fahatanorane ao an-dragnon'ny havan'iabane ijy.
Chapter 31

1Nivoria tamin'i Mosesy i Yaveh ka nagnano hoe: 2"Mamboàra valifaty amin'ny Midianita nohon'ny namboarin-dreo tamin'ny Israelita. Laha vita ijay, die ho faty anao ka hangonina eo amin'ny olonao."3Ka nivoria tamin'ny fokon'olo i Mosesy. Hoy ijy hoe: "Fenoy fediana hômin'ny ady ny saragne amin'ny olonareo mba hengan-dreo hanohitra an'ireo Midiana sady hagnatanteraka valifatin'i Yaveh amin'ijay. 4Ny foko abiaby magneragna an'Israely die tsy mentsy mandefa miaramila ho agne an'ady." 5Ka tamin'ireo olo agn'arivorivon'Israely, die laha tagne amin'ny foko abiaby hôn'ny ady agn'arivone, roe arivo sy ray aligna ny fikambarane.6Avy teo nalefan'i Mosesy an'ady areo, arivo amin'ny foko abiaby, niaraka tamin'i Finehasa janaka lahin'i Eleazara mpisorogna, sy niaraka tamin'ny fanaka saragne laha tao amin'ny fitoerana masina ary ny trompetra an-tagnane egne mba hitsofana ny fanerana. 7Niady tamin'ny Midiana areo, araka ny nandidian'i Yaveh an'i Mosesy. Nivonin-dreo ny olo abiaby. 8Nivonine ny mpanjakan'i Midiana niaraka tamin'ny sisan'ny matin-dreo: Evy, Rekema, Zora, Hora, ary Reba, ireo mpanjaka dimin'i Midiana. Nivonin-dreo tamin'ny sabatra mandy koa Balama janaka lahin'i Beora.9Nalain'ny tafik'Israely ho babo ny viavin'ny Midiana, ny jana-dreo, ny biby fiompin'ijy abiaby, ny ondry amban'osin-dreo, ary ny fanagnan'ijy abiaby. Nalain-dreo ho babo aby io. 10Nirôn-dreo ny tanànane abiaby ijay nipitrahan-dreo ary ny tobine abiaby.11Nalain-dreo aby ny babo sy gadra abiaby, na olo na biby. 12Nindôsin-dreo tagne amin'i Mosesy, Eleazara mpisorogna, ary tagne amin'ny fianakaviamben'ny olon'israely ny gadra, ny babo, ary ny raha ajo. Nindôsin-dreo tagne amin'ny toby tagne amin'ny tany hain'i Moaba, amorogn'i Jordana marivon'i Jeriko ireo.13Nienga nivôke nitsena an-dreo tagne avelagn'ny toby i Mosesy, Eleazara mpisorogna, sy ny mpitarika ny fianakaviambe abiaby. 14Fa Mosesy vignitra tamin'ny manam-pahefan'ny tafika, mpifehy ny arivo sy ny kapitenin'ny jato, ijay avy laha tagne an'ady. 15Hoy Mosesy tamin-dreo hoe: "Navelanareo ho velogna ve ny viave abiaby?16Indro, natan'ireo viave ireo nagnota tamin'i Yaveh ny amin'i Peora tamin'ny alalan'ny torohevitr'i Balama ny olon'Israely, laha niparitaka teo amin'ny fengonan'i Yaveh ny areti-mandripake. 17Amin'ijao ary, vonio ny jajalelahy eo amin'ny madinike abiaby, ary vonio ny viave abiaby ijay efa niara-nandry tamin'ny lelahy.18Fa indôsy hônareo ny tohovavy abiaby ijay tsy mbola niara-nandry tamin'ny lelahy mihitsy. 19Tsy mentsy mitoby avelagn'ny tobin'Israely mandritra ny fito andro anareo. Anareo abiaby ijay efa namono olo na nikitika olo maty- tsy mentsy magnadio ny tegnanareo anareo amin'ny andro fahatelo sy amin'ny andro fahafito- anareo sy ny gadranareo. 20Tsy mentsy manasa ny akanjonareo abiaby sy ny raha abiaby vita amin'ny hodi-biby sy volon'osy, ary ny raha abiaby vita amin'ny hajo anareo."21Eleazara mpisorogna die nivoria tamin'ny miaramila ijay nienga tagne an'ady hoe: "Itoy ny lalàna vôdidy ijay nomen'i Yaveh an'i Mosesy: 22Ny volamena, volafotsy, varahigna, vy, vifotsy, sy firake, 23ary ny raha abiaby ijay tsy anderan'ny afo, die tsy mentsy atanareo agnaty afo, ka hadio ijay. Avy teo tsy mentsy diovinareo amin'ny rano fagnadiovana io raha io. Na ino na ino tsy afaka momba amin'ny afo die tsy mentsy diovinareo amin'ijay rano ijay. 24Amin'ny andro fahafito die tsy mentsy sasanareo ny lambanareo, ka avy eo anareo hadio. Afaran'ijay die ho avy ao amin'ny tobin'Israely anareo."25Avy teo Yaveh nivoria tamin'i Mosesy ka nijaka hoe: 26"Isay ny raha babo abiaby ijay ajo, na olo na biby. Anao, Eleazara mpisorogna, ary ny mpitarika ny fianakaviamben'ny fokon'ny rajambenao27 die tsy mentsy mijara ny babo ho fijarane roe. Jaray eo amin'ny miaramila ijay nienga an'ady sy ny ambin'ny fianakaviambe abiaby ijay.28Avy eo mitakia hetra amin'ny miaramila ijay nienga an'ady mba homena an'Ahe. Ijay hetra ijay die tsy mentsy raike isan-dimanjato, na olo, biby fiompy, boriky, ondry, na osy. 29Alay amin'ny asasak'io ijay hetra ijay ka omeo an'i Eleazara mpisorogna ijay mba ho fagnatitra homena hôn'Ahe.30Ary laha tamin'ny asasaky ny Israely mandy koa, die tsy mentsy mangala raike isan-dimampolo anao- laha tamin'ny olo, biby fiompy, boriky, ary osy. Omeo an'ireo Levita mikarakara ny tabernakeliko io." 31Ka die natan'i Mosesy sy Eleazara mpisorogna araka ny nandidian'i Yaveh.32Ka ny babo ijay sisa tamin'ireo ajon'ireo miaramila die ondry 675.000,33 ahomby roe arivo sy fito aligna, 34boriky arivo sy enina aligna, 35ary viave roe arivo sy telo aligna ijay tsy mbola niara-nandry tamin'ny lelahy mihitsy.36Ny asasagne ijay nitanan'ny miaramila die ondry miisa 337.000.37 Ny anjaran'i Yaveh die ondry 675. 38Ny ahomby die enina arivo sy telo aligna ka roe amby fito-polo ny hetran'i Yaveh.3930.500 ny isan'ny boriky ka raike amby enim-polo ny anjaran'i Yaveh. 40Enina arivo sy iray aligna ny olo ka roe amby telopolo ny hetran'i Yaveh. 41Nalain'i Mosesy ny hetra ijay tokone ho fagnatitra omena hôn'i Yaveh. Nomene an'i Eleazara mpisorogna ijay, araka ny nandidian'i Mosesy.42Laha ny amin'ny asasaky ny olon'Israely ijay nalain'i Mosesy laha tamin'ny miaramila ijay nienga tagne an'ady- 43die ondry 337.500, 44ahomby enina arivo sy telo aligna, 45boriky 30.500, 46ary viave enina arivo sy iray aligna ny an'ny asasaky ny fianakaviambe.47Laha tamin'ny asasaky ny olon'Israely, die nangala raike isan-dimampolo i Mosesy, na olo na biby. Nomene ny Levita ijay nikarakara fehijay ny tabernakelin'i Yaveh, araka ny nandidian'i Yaveh an'aje mba hamboarina.48Avy teo ny manam-pahefan'ny tafika, ny mpifehy arivo sy ny kapitenin'ny jato, avy tagny amin'i Mosesy. 49Hoy areo tamin'aje hoe: "Nisain'ny mpanomponao ny miaramila ijay ambanin'ny fifehejanay, ka tsy misy na raike aja tsy ao.50Nindôsinay ny fagnatitr'i Yaveh, ijay hitan'ny olo kiraidraike, fanaka, volamena, fehin-tagnana sy haba, peratra fanombohan-kase, kavigna, ary rojo, mba hamboarana fagnavotana hônay eo alohakan'i Yaveh." 51Mosesy sy Eleazara die nandray ny volamena sy ny fanaky ny asa tagnana abiaby laha tamin-dreo.52Ny volamena abiaby tamin'ny fagnatitra ijay nomen-dreo an'i Yaveh- ny fagnatitra laha tamin'ny mpifehy ny arivo sy laha tamin'ny mpifehy ny jato- die milanja sekely 16.750. 53Ny miaramila kiraidraike die samby nangala babo, olo kiraidraike hôn'ny tegnane. 54Mosesy sy Eleazara mpisorogna die nangala volamena laha tamin'ny mpifehy ny arivo sy ny kapitenin'ny jato. Nindôsin-dreo tao amin'ny tragno lay fihôgnana ijay ho fahatserovana ny olon'Israely hôn'i Yaveh.
Chapter 32

1Ary ny taranak'i Robena sy Gada die nanagna biby fiompy rahabe. Laha hitan-dreo ny tanin'i Jazera sy Gileada, die toerana mahafinaritre hôn'ny biby fiompy ilay tany. 2Die avy nivoria tamin'i Mosesy, tamin'i Eleazara mpisorogna, ary tamin'ny mpitarika ny fivondrognana ny taranak'i Gada sy Robena. Hoy areo hoe: 3"Itoy ny lisitr'ireo toerana ijay efa nihadihadinay: Atarota, Dibona, Jazera, Nimra, Hesbona, Elale, Sebama, Nebo, ary Beona.4Ito aby ny tany ijay nitafihin'i Yaveh teo alohakan'ny fivondrognan'Israely, ary toerana tsara hôn'ny biby fiompy ireo. Ahay, mpanomponao, die managna biby maro die maro." 5Hoy areo hoe: "Laha mahita sitraka eo amasonao ahay, die ôka homena anay, mpanomponao, mba ho fanagnana itoy tany itoy. Aja atao miampita amin'i Jordana ahay."6Namaly an'ireo taranak'i Gada sy Robena i Mosesy hoe: "Tokone hienga mba hiady ve ny rahalahinareo laha anareo koja magnorim-ponegnana eto? 7Nagnino no hakiviana tsy hienga agne amin'ny tany ijay nomen'i Yaveh an-dreo ny fon'ireo fokon'olon'Israely?8Ny rajambenareo die nagnano hôtran'ijay raha ijay laha nalefako avy tagne Kadesi-barnea mba hisafo ny tany areo. 9Nagnanika tagne amin'ny Lohasahan'i Eskola areo. Nahita ny tany areo ka avy teo die nagnakivy ny fon'i fokon'olon'Israely mba handajan-dreo tsy hiditra ao amin'ny tany ijay nomen'i Yaveh areo.10Nirehitre ny havigniran'i Yaveh tamin'io andro io. Nifanta Ijy ka nagnano hoe: 11'Ajo antoke fa tsy hisy olo ijay nagnanika laha tagne Egypta, manomboka amin'ny rôpolo taogna loho miakatre, hahita ny tany ijay nifantako tamin'i Abrahama, tamin'Isaka, ary tamin'i Jakoba, satria tsy nagnaraka an'Ahe tanteraka areo, hafa-tsy 12Kaleba janaka lahin'i Jefona Kenizita, ary Josoa janaka lahin'i Nona. Kaleba sy Josoa mandy ny tena nagnaraka an'Ahe tanteraka.'13Ka nirehitre tamin'Israely ny havigniran'i Yaveh. Natane nirenireny nagnodidigna ny tany efitra nandritra ny efapolo taogna ka hatamin'ny naha-rava ny taranaka abiaby ijay nagnano ratsy teo amasone areo. 14Indro, nisandratra teo amin'ny toeran'ny rajambenareo anareo, manahaka ny olo mpanota rahabe, mba hagnampy ny firehetan'ny havigniran'i Yaveh amin'Israely. 15Laha mivily amin'ny fagnarahana an'Aje anareo, die hagnavela an'Israely agne amin'ny tany efitra indraike Ijy ka handripaka ny fokon'olone abiaby anareo."16Ka nagnantogna takekin'i Mosesy teo areo ka nijaka hoe: "Abilay ahay hambôtre fefy hôn'ny biby fiompinay sy tanàna hôn'ny havanay eto. 17Na ijany aja, ahay die ho vognona sady hitam-pediana mba hienga miaraka amin'ny tafik'Israely mandra-pametrahanay an-dreo amin'ny toeran-dreo. Fa ny havanay koja die hitoboke agne amin'ny tanàna vôaro mahare noho ny fokon'olo hafa ijay mbola monigna amin'itoy tany itoy.18Tsy hipody agne amin'ny fonegnanay ahay mandra-pajahôn'ny kiraidraike amin'ny fokon'olon'Israely ny lovany aby. 19Tsy handova ny tany miaraka amin-dreo agne an-dafin'i Jordana ahay, satria ny lovany die eto amin'ny lafy atsignanan'i Jordana."20Ka namaly an-dreo i Mosesy hoe: "Laha mambôtre an'ijay jakainareo anareo, laha magnomagna ny tegnanareo hienga eo agnatrehan'i Yaveh mba hiady anareo, 21ka ny kiraidraike amin'ny lelahinareo mitam-pediana die tsy mentsy mempita an'i Jordana eo agnatrehan'i Yaveh, mandra-pandroahanay ny fahavalony tsy ho eo agnatrehane 22ary ny tany die resy eo agnatrehane. Laha afaka ijay die afaka mipody anareo. Ho tsy manan-tsigny manolôna an'i Yaveh sy manolôna an'Israely anareo. Itoy tany itoy die ho fanagnanareo eo agnatrehan'i Yaveh.23Fa laha tsy magnano an'ijay anareo, indro, hagnota amin'i Yaveh anareo. Fantaro tsara fa hahita anareo ny helokareo. 24Manangàna tanàna hôn'ny havanareo ary fefy hôn'ny ondrinareo; avy teo die amboary ijay nivorianinareo." 25Nivoria tamin'i Mosesy ny taranak'i Gada sy Robena ka nijaka hoe: "Hagnano araka ijay nandidianao ny mpanomponao, ry tomponay.26Ny jaja madinikay, ny sakejanay, ny ondry amban'osinay, ary ny biby fiompinay abiaby die hipetraka ao amin'ny tanànan'i Gileada. 27Na ijany aja, ahay, mpanomponao, die hiampita eo agnatrehan'i Yaveh mba hiady, ny lelahy abiaby ijay mitam-pediana hômin'ny ady, araka ijay nivorianinao, ry tomponay."28Ka nagnome torolalagna momba an-dreo tamin'i Eleazara mpisorogna, tamin'i Josoa janaka lahin'i Nona, ary ny mpitarika ny fokon'ny rajambe tao amin'ny fokon'ny olon'Israely i Mosesy. 29Hoy i Mosesy tamin-dreo hoe: "Laha mitsaka an'i Jordana miaraka aminareo ny taranak'i Gada sy Robena, ny lelahy abiaby ijay mitam-pediana mba hiady eo agnatrehan'i Yaveh, ka laha resy eo agnatrehanareo ny tany, die homenareo an-dreo ho fanagnana ny tanin'i Gileada. 30Fa laha tsy mitsaka eo aminareo mitam-pediana areo, die agne amin'ny tanin'i Kanana areo ny hahajo ny fanagnan-dreo eo aminareo."31Ka namaly ny taranak'i Gada sy Robena hoe: "Araka ijay nijakain'i Yaveh taminay, mpanomponao, die ijao ny hamboarinay. 32Hitsaka mitam-pediana eo agnatrehan'i Yaveh agne amin'ny tanin'i Kanana ahay, fa ny lova anjaranay die hijanogna aminay amin'itoy lafin'i Jordana itoy."33Ka nomen'i Mosesy an'ny taranak'i Gada sy Robena, ary koa an'ny asasaky ny fokon'i Manase janak'i Josefa ny fanjakan'i Sihona, mpanjakan'ny Amorita, sy Oga, mpanjakan'i Basana. Nomene an-dreo ny tany, ka nijaraine tamin-dreo ny tanànan'ijay abiaby miaraka amin'ny faritanine, die ny tanànan'ny tany magnodidigna io.34Ny taranak'i Gada die namerigna nagnorigna an'i Dibona, Atarota, Aroera, 35Atrota-sofana, Jazera, Jogbeha, 36Beti-nimra, ary Beti-harana mba ho tanàna vôaro mafy miara amin'ny fefy hôn'ny ondry.37Ny taranak'i Robena die namerigna nagnorigna an'i Hesbona, Elale, Kiriataima, 38Nebo, Bala-meona, Sibma- niova ny agnaran'io tatoy afara. Nomen-dreo agnarana hafa ny tanàna ijay nampodin-dreo naorigna. 39Ny taranak'i Makira janaka lahin'i Manase die negnagne Gileada ka nagnafaka an'aje tamin'ny Amorita ijay tao amin'ijane.40Avy teo die nomen'i Mosesy an'i Makira janaka lahin'i Manase i Gileada, ka nagnorim-ponegnana teo ny fokon'olone. 41Nienga i Jaira janaka lahin'i Manase ka nambabo ny renivohitr'ijay ka nangaike an-dreo hoe: Havota-jaira. 42Nienga i Noba ka nambabo an'i Kinata sy ny jana-bohine, ka nangihine hoe: Noba, araka ny agnarany mandy ijay.
Chapter 33

1Ito aby ny toerana nandihanan'ny fokon'olon'Israely tafaran'ny nengan-dreo ny tany Egypta tamin'ny antoko mitam-pedian-dreo teo ambany fitaritan'i Mosesy sy Arona. 2Nanoratra ny toerana nengan-dreo hatamin'ijay nandihanan-dreo i Mosesy, araka ny nandidian'i Yaveh. Ito aby ny dian-dreo, ny toerana nifindrafindran-dreo.3Nienga laha tao Ramesesa areo nandritra ny volagna vôlohane, tamin'ny andro fahadimy ambin'ny folon'ny volagna vôlohane. Ny maraigna tafaran'ny Paska, die nienga malalaka ny fokon'olon'Israely, teo amason'ny Egyptiana abiaby. 4Niseho ijay laha mbola nandevogna ny lahimatoan'ijy abiaby, areo ijay nivonin'i Yaveh teo amin-dreo ny Egyptiana. fa Ijy mandy koa die nampibata famejana ny andriamanitran-dreo.5Nienga tao Ramesesa ny fokon'olon'Israely ka nitoby tao Sokota. 6Nienga tao Sokota areo ka nitoby tao Etama, tegne amorogn'ny tany efitra. 7Nienga tao Etama areo ka nipody tao Pi-Hahirota, ijay agnilan'ny Balazefona, ijay mifananjo amin'i Migdola nitobian-dreo.8Avy teo nienga laha tegne agnilan'i Pi Hahirota areo ka nomba tegne agnivon-dranomasina ho agny agn'efitre. Nandeha nandritra ny telo andro tagne agn'efitr'i Etama areo ka nitoby tao Mara. 9Nienga tao Mara are ka avy tao Elima. Tao Elima die nisy loharano roe ambin'ny folo ary hajo rafia fitopolo. Tagne ny nitobian-dreo. 10Nienga tao Elima areo ka nitoby tegne akekin'ny Ranomasina Mena.11Nienga laha tao amin'ny Ranomasina Mena areo ka nitoby tagne efitr'i Sina. 12Nienga laha tao amin'ny tany efitr'i Sina areo ka nitoby tao Dopka. 13Nienga tao Dopka areo ka nitoby tao Alosy. 14Nienga laha tao Alosy areo ka nitoby tao Refidima, ijay tsy nahitana rano hinomin'ny fokon'olo.15Nienga laha tao Refidima areo ka nitoby tao amin'ny tany efitr'i Sinay. 16Nienga laha tao amin'ny tany efitr'i Sinay areo ka nitoby tao Kibrota Hatava. 17Nienga laha tao Kibrota Hatava areo ka nitoby tao Hazerota. 18Nienga laha tao Hazerota areo ka nitoby tao Ritma.19Nienga laha tao Ritma areo ka nitoby tao Rimona Pareza. 20Nienga laha tao Rimona Pareza areo ka nitoby tao Libna. 21Nienga laha tao Libna areo ka nitoby tao Risa. 22Nienga laha tao Risa areo ka nitoby tao Kehelata.23Nienga laha tao Kehelata areo ka nitoby tao amin'ny Tampom-bohitra Sapera. 24Nienga laha tao amin'ny Tampom-bohitra Sapera areo ka nitoby tao Harada. 25Nienga laha tao Harada areo ka nitoby tao Makelota. 26Nienga laha tao Makelota areo ka nitoby tao Tahata.27Nienga laha tao Tahata areo ka nitoby tao Tera. 28Nienga laha tao Tera areo ka nitoby tao Mitka. 29Nienga laha tao Mitka areo ka nitoby tao Hasmona. 30Nienga laha tao Hasmona areo ka nitoby tao Moserota.31Nienga laha tao Moserota areo ka nitoby tao Bene Jakana. 32Nienga laha tao Bene Jakana areo ka nitoby tao Hora Hagidgada. 33Nienga laha tao Hagidgada areo ka nitoby tao Jotbata. 34Nienga laha tao Jotbata areo ka nitoby tao Abrona.35Nienga laha tao Abrona areo ka nitoby tao Eziona Gebera. 36Nienga laha tao Eziona Gebera areo ka nitoby tao Kadesy. 37Nienga laha tao Kadesy areo ka nitoby tao amin'ny Tampom-bohitra Hora, tegne amorogn'ny tanin'i Edoma.38Nagnanika tegne amin'ny Tampom-bohitra Hora i Arona mpisorogna araka ny didin'i Yaveh ka maty tagne tamin'ny fahefapolo taogna tafaran'ny niboahan'ny fokon'olon'Israely tao Egypta, tamin'ny fahadimin'ny volagna, tamin'ny andro vôlohan'ny volagna. 39123 taogna Arona tamin'ijy maty tagne amin'ny tampom-bohitra Hora.40Ny Kananita, ny mpanjakan'i Arada, ijay nipetraka tagne amin'ny tany efitra atsimo tao amin'ny tanin'i Kanana, die naharegny ny fevian'ny fokon'olon'Israely.41Nienga laha tao amin'ny Tampom-bohitra Hora areo ka nitoby tao Zalmona. 42Nienga laha tao Zalmona areo ka nitoby tao Ponona. 43Nienga laha tao Ponona areo ka nitoby tao Obota.44Nienga laha tao Obota areo ka nitoby tao Lay Abarima, tegne amin'ny moron-tanin'i Moaba. 45Nienga laha tao Lay Abarima areo ka nitoby tao Dibon-gada. 46Nienga laha tao Dibon-gada areo ka nitoby tao Almon-diblataima.47Nienga laha tao Almon-diblataima areo ka nitoby tao amin'ny tampom-bohitr'i Abarima, tanjon'i Nebo. 48Nienga laha tao amin'ny tampom-bohitr'i Abarima areo ka nitoby tao amin'ny tany hain'i Moaba akekin'i Jordana agne Jeriko. 49Nitoby teo akekin'i Jordana areo, laha tagne Beta Jesimota hatagne Abela Sitima tao amin'ny tany hain'i Moaba.50Nijaka tamin'i Mosesy i Yaveh tegne amin'ny lemak'i Moaba tegne akekin'i Jordana tao Jeriko ka nagnano hoe: 51"Mivoriana amin'ny fokon'olon'Israely ka voriano amin-dreo hoe: 'Laha mitsaka an'i Jordana ho agne amin'ny tany Kanana anareo, 52die tsy mentsy roahinareo eo agnatrehanareo ny mponigna abiaby ao amin'ny tany. Tsy mentsy potehinareo ny sarin-draha vôsikotre abiaby an-dreo ka rodagninareo ny fitoerana avone abiaby.53Ôka halainareo hônareo ny tany ka mitoboha ao amin'ijay, satria efa nomeko ho fanagnanareo ilay tany. 54Tsy mentsy lovanareo amin'ny alalan'ny loka ny tany, araka ny foko kiraidraike aby. Hôn'ny foko makadiry die tsy mentsy omena jara makadiry amin'ny tany, ary ny foko kitike die omenareo ny jara kitike amin'ny tany. Na ija na ija hilatsahan'ny anjoanjo amin'ny foko kiraidraike aby, ijay tany ijay die hôn'aje. Handova ny tany araka ny fokon'ny rajambenareo anareo.55Fa laha tsy vôrôkanareo eo alohakareo ny mponign'ny tany, die hanjary hôtran'ny fitôvana eo amin'ny masonareo ary fantsy eo amin'ny tahejagnareo ny fokon'olo ijay avelanareo hijanogna. Hagnasarotra ny fiaignanareo eo amin'ny tany ijay hitobohanareo areo. 56Die hatako aminareo mandy koa ijay eritreretiko hatao amin'io fokon'olo io."'
Chapter 34

1Nijaka tamin'i Mosesy i Yaveh ka nagnano hoe: 2"Didio ny fokon'olon'Israely ka jakay areo hoe: 'Laha hiditra ny tany Kanana anareo, ny tany ijay hônareo, ny tany Kanana sy ny faritry ny tanine, 3hivelatre hatagne agn'efitr'i Zina magnaraka ny morogn'i Edoma ny atsimonareo. Ny morogne atsignanana amin'ny morogne atsimo die ho eo amin'ny tsipike ijay mifaragna ao amin'ny fefarana atsimon'ny Ranomasina Sira.4Ny fari-taninareo die hihodigna megnatsimon'ny tagnambognan'i Akrabima ka mienga mamakivaky ny efitr'i Zina. Laha tagne, no mienga megnatsimon'i Kadesi-barnea ijay ka mitohy megnagne Hazara-adara ka megnagne Azmona. 5Laha tagne, ny moron-tany die hivily laha tao Azmona megnagne amin'ny lohasahan-driak'i Egypta ka magnaraka an'ijay hatagne an-dranomasina.6Ny morontsiraka andrefagna no ho moron-tanin'ny Ranomasina Makadiry. Io ny ho fari-tany andrefagnareo.7Ny fari-taninareo avaratre hivelatre magnaraka ny tsipika ijay havahanareo hatagne amin'ny Ranomasina Makadiry ka hatagne amin'ny Tagnambogna Hora, 8sady koa laha tagne amin'ny Tampom-bohitra Hora ka hatagne Lebo-hamata, laha teo die hatagne Zedada. 9Laha teo ny fari-tany hitohy hatagne Zifrona ka mifaragna ao Hazar-Enana. Ijany ny ho fari-tany avaratrareo.10Laha teo mariho ny fari-taninao atsignanana hatagne Hazar-enana atsimo ka hatagne Sefama. 11Afaran'ijay ny fari-tany atsignanana hijotso laha tagne Sefama ka hatagne Ribla, ao amin'ny faritra atsignanan'i Aina. Ny fari-tany hitohy magnaraka ny faritra atsignanan'ny Ranomasina Kinereta. 12Laha teo ny fari-tany die hitohy megnatsimo magnaraka ny Ony Jordana ka hatagne amin'ny Ranomasin-tsira. Ijay ny ho taninareo, magnaraka ny morogne magnodidigna abiaby."'13Die nandidy ny fokon'olon'Israely i Mosesy ka nagnano hoe: "Itoy ny tany ijay ho ajonareo amin'ny filokana, ijay efa nididin'i Yaveh homena hôn'ny foko sivy sy ny asasaky ny foko. 14Ny fokon'ny taranak'i Robena, araka ny fanondroam-panagnana hôn'ny fokon-drajan-dreo, ary ny fokon'ny taranak'i Gada, araka ny fanondroam-panagnana hôn'ny fokon-drajan-dreo, ary ny asasa-pokon'i Manase abiaby efa nandray ny tanin-dreo. 15Io foko roe sy ny asasa-poko efa nandray ny anjara-tany agne an-dafin'ny Jordana megnatsignanana an'i Jeriko, mananjo ny fiposahan'ny masoandro."16Nijaka tamin'i Mosesy i Yaveh ka nagnano hoe: 17"Itoy aby ny agnaran'ny lelahy ijay hijara ny tanin'ny lovanareo: Eleazara mpisorogna sy Josoa janak'i Nona. 18Ôka anao hifidy mpitarika raike aby isaky ny foko mba hijara ny tany hôn'ny fianakaviamben-dreo.19Ito aby ny agnaran'io lelahy io: Laha tamin'ny fokon'i Joda, die Kaleba janak'i Jefone. 20Laha tamin'ny fokon'i taranak'i Simeona, die Semoela janak'i Amihoda.21Laha tamin'ny fokon'i Benjamina, die Elidada janak'i Kislona. 22Laha tamin'ny fokon'ny taranak'i Dana mpitarika raike, die Boky janak'i Jogly. 23Laha tamin'ny taranak'i Josefa, laha tamin'ny fokon'ny taranak'i Manase mpitarika raike, die Haniela janak'i Efoda.24Laha tamin'ny fokon'ny taranak'i Efraima mpitarika raike, die Kemoela janak'i Siftana. 25Laha tamin'ny fokon'ny taranak'i Zebolona mpitarika raike, die Elifaza janak'i Parnaka. 26Laha tamin'ny fokon'ny taranak'Isakara mpitarika raike, die Paltiela janak'i Azana.27Laha tamin'ny fokon'ny taranak'i Asera mpitarika raike, die Ahihody janak'i Selomy.28 Laha tamin'ny fokon'ny taranak'i Naftaly mpitarika raike, die Pedahela janak'i Amihoda." 29Yaveh nandidy an'ireo lelahy ireo mba hijaha ny tany Kanana sady hagnome ny isam-pokon'Israely ny anjaran-dreo.
Chapter 35

1Ary Yaveh nijaka tamin'i Mosesy teo amin'ny tany hain'i Moaba teo akekin'ny Jordana tao Jeriko ka nagnano hoe: 2"Mandidia ny fokon'olon'Israely mba hagnome ny saragne amin'ny jara-tanine hôn'ny Levita. Tokone hagnome an-dreo tanàna mba hitobohane sady tany firôfan'ahitre magnodidigna an'io tanàna areo.3Hahajo an'ijay tanàna ijay mba ho fonegnane ireo Levita. Ny firôfan'ahitre die hôn'ny biby fiompine, ny ondry amban'osine, ary ny bibiny abiaby. 4Ny firôfan'ahitre magnodidigna ny tanàna ijay homenao ny Levita die hivelatre arivo kikiho manomboka eo amin'ny mandan'ny tanàna isaky ny lalagna abiaby.5Handrefy roe arivo kikiho eo avelagn'ny tanàna amin'ny ilane atsignanana anao, ary roe arivo kikiho amin'ny ilane atsimo, roe arivo kikiho amin'ny ilane andrefagna, ary roe arivo kikiho amin'ny ilane avaratra. Ho firôfan'ahitre hôn'ny tanànane ijay. Ny tanàna die ho eo agnivone.6Ny enina amin'ny tanàna ijay homenao ny Levita die hatokagna ho tanàna felofana. Ôka homenareo ho toerana hahafahan'ny olo ijay namono olo milefa io. Hagnome tanàna roe amby efapolo hafa mandy koa. 7Ny tanàna ijay nomenao ny Levita die hiisa valo amby efapolo. Ôka homenao an-dreo miaraka amin'ny firôfan'ahitre ijay.8Ny foko makadirin'ny fokon'olon'Israely, ny foko ijay managna tany bebe kokoa, die tsy mentsy hagnome tanàna bebe kokoa. Ny foko kitike hagnome tanàna kitike. Ny foko kiraidraike die tsy mentsy hamatsy hôn'ny Levita araka ny fijarana ijay efa niresine aby."9Die nivoria tamin'i Mosesy i Yaveh ka nagnano hoe: 10"Mivoriana amin'ny fokon'olon'Israely ka jakay areo hoe: 'Laha mitsaka eo amin'ny Jordana ho agne amin'ny tany Kanana anareo, 11die tokone hifidy tanàna hanompo hôtran'ny tanàna felofana hônao, toerana hilefana hôn'ijay namono olo tsy kinahy.12Ho felofana hônareo amin'ny mpamaly faty ijay tanàna ijay, mba tsy ho faty mandra-pitsangagne hitsaraina eo alohakan'ny fiaraha-monigna ny vôtory. 13Tokone hifidy tanàna enina ho tanàna felofana anareo.14Tsy mentsy magnome tanàna telo ao an-dafin'i Jordana sy tanàna telo ao amin'ny tany Kanana anareo. Ho tanàna felofana io. 15Hôn'ny fokon'olon'Israely, hôn'ny vahiny, hôn'ijay monigna aminareo eo, io tanàna enina io die hatokagna ho felofana hôn'ijay abiaby namono olo tsy kinahy milefa.16Fa laha nandraha ny lasibany tamin'ny fitôvana vy ilay olo vôtory, ka laha maty ilay lasibany, die ho mpamono olo tokôtre ny vôtory. Tokone hatao maty tokôtre ijy. 17Laha mandraha ny lasibany amin'ny vato tan-tagnane tegne ijay mety hahafaty ny vôtory, ka laha maty ny lasibany, die ho mpamono olo tokôtre ny vôtory. Hatao maty tokôtre ijy. 18Laha mandraha ny lasibany tamin'ny fitôvam-pediana hajo ijay hahafaty an'ajy ny vôtory, ka maty ny lasibany, die ho mpamono olo tokôtre ny vôtory. Hivonina tokôtre ijy.19Ny mpamaly rà die mety hamono ny mpamono olo.,Laha mifanepaka amin'aje ijy, die hamono an'aje ny mpamaly rà. 20Laha mandraha ny hafa amin'ny fankahalàna na mitily raha amin'aje ijy, laha mivony mba hitologna handraha an'aje, die ho faty ny lasibany, 21na laha mandraha an'aje amin'ny fankahalàna amin'ny tagnane ka mahafaty ny lasibatra die hivonina tokôtre ny vôtory ijay nandraha an'aje. Mpamono olo ijy. Ny mpamaly rà die hamono ny mpamono olo laha mifanepake amin'aje ijy.22Fa laha mandraha ny lasibatra tampoke ny olo vôtory ka tsy nisy fagnomagnana melohake nohon'ny fankahalàna na mitily raha ijay hahavoa ny lasibatra ka tsy niandriandry nitologna 23na laha mitily vato ijay mety hahafaty ny lasibatra nefa nefa tsy hitane ny lasibatra, die ho fahavalon'ny lasibatra ny vôtory; tsy nirembe handratra ny vôndraha ijy. Fa hôtran'ijao ny amboarina laha maty ny lasibatra.24Amin'ijay toe-draha ijay, die hitsara ny vôtory sy ny mpamaly rà amin'ny fototr'io lalàna io ny fiaraha-monigna. 25Tsy mentsy mamonjy ny vôtory amin'ny fahefan'ny mpamaly rà ny fiaraha-monigna. Ny fiaraha-monigna die tsy mentsy hagnampody ny vôtory agne amin'ny tanàna felofana ijay nilefane tagne am-bôlohane. Honigna agne ijy mandra-pahafatin'ny mpisorognabe amin'ijay fotôgna, ilay tokagna ijay vôhosotre tamin'ny diloilo masina.26Fa laha mivôke amin'ny fotôgna abiaby mihôtre ny faritan'ny tanàna felofana ho agny amin'ijay nilefane ny vôtory, 27ka laha hitan'ny mpamaly rà agne avelagn'ny faritry ny tanàna felofana, ka laha mamono ny olo vôtory ijy, ny mpamaly rà die tsy ho melohina ho mpamono olo. 28Ijay die nohon'ny tokone nitobohan'ny olo vôtory teo amin'ny tanàna felofane mandra-pahafatin'ny mpisorogna be. Afaran'ny fahafatesan'ny mpisorogna be, ny vôtory die himpody agne amin'ny tany ijay misy ny fanagnane manokagna.29Ijay lalàna ijay die ho lalàna hônareo amin'ny taranaky ny fokon'olo abiaby agne amin'ny toerana abiaby ijay hipitrahanareo. 30Na ija na ija mamono olo, ny mpamono olo die hivonina, araka ny vômarign'ny jakan'ny vavolombelogna. Fa jakan'ny vavolombelogna raike mandy die tsy afaka ny hahatonga ny olo raike hivonina ho faty.31Sady koa, ôka tsy hagneky ny vidim-pagnavotana hôn'ny aignan'ny mpamono olo ijy diso nohon'ny famonoana olo anareo. Tsy mentsy vonina tokôtre ijy. 32Ôka tsy hagneky ny vidim-pagnavotana hôn'ny olo ijay milefa agne amin'ny tanàna felofana anareo. Ôka tsy hômin'ijay fomba ijay ny hagnavelanao an'aje honigna ao amin'ny fitoerane mandra-pahafatin'ny mpisorogna be.33Aja lotoina amin'ijay fomba ijay ny tany ijay onegnanareo, satria ny ràn'ny mpamono olo no mandoto ny tany. Tsy misy fagnavotana hôn'ny tany laha latsake amin'ny tany ny rà, hafa-tsy amin'ny ràn'ijay nandatsaka an'ijay. 34Ka ôka tsy handoto ny tany ijay onegnanareo anareo satria monigna ao amin'ijay Iaho. Iaho, Yaveh, die monigna eo amin'ny fokon'olon'Israely."'
Chapter 36

1Ka ny mpitarika ny fianakavian-drajamben'ny fianakaviam-ben'i Gileada janak'i Makira(ijay janak'iManase), ijay laha tamin'ny fokon'ny taranak'i Josefa, die avy ka nijaka teo alohakan'i Mosesy sy teo alohakan'ny mpitarika ijay lohan'ny fianakavian-drajamben'ny fokon'olon'Israely. 2Hoy areo hoe: "Yaveh no nandidy anao, ry tomponay, mba hagnome anjara tany hôn'ny fokon'olon'Israely amin'ny filokana. Nididin'i Yaveh anao mba hagnome ny anjaran'i Zelofada rahalahinay hôn'ny janagne viave.3Nefa laha manambady ny lelahy laha tamin'ny fokon'ny fokon'olon'Israely hafa ny janagne viave, die halaina tsy ho anjaran'ny rajambentsena ny anjaran-dreo. Hagnampy ny anjaran'ny foko ijay andihanan-dreo ijay. Amin'ijay, die halaina tsy ho anjara vôtondro ho lovantsena ijay. 4Amin'ijay, laha avy ny taon-Jobilin'ny fokon'olon'Israely, die hikambatre amin'ny anjaran'ny foko ijay nandihanan-dreo ny anjarane. Ka ijay, ny hangalana ny anjaran-dreo amin'ny anjaran'ny fokon-drajambentsena.5Die nagnome beko ny fokon'olon'Israely, tamin'ny vorianin'i Yaveh i Mosesy. Hoy ijy: "Marina ny vorian'ny fokon'ny taranak'i Josefa. 6Ijay ny andidian'i Yaveh momba ny janaka vavin'i Zelofada. Hoy Ijy: 'Abilay areo hanambady ijay eritreretine fa tsara, nefa hanambady ijay ao amin'ny fokon'iabane mandy areo.'7Tsy misy anjaran'ny fokon'olon'Israely hiova hômin'ny foko hafa. Ny kiraidraike amin'ny fokon'olon'Israely die hitagna ny anjaran'ny fokon-drajambene.8Ny viavin'ny fokon'olon'Israely kiraidraike ijay manan-jara ao amin'ny fokone die tsy mentsy manambady olo laha tamin'ny fianakaviam-ben'ny fokon'iabane. Ijay die mba hanagnan'ny kiraidraike amin'ny fokon'olon'Israely lova laha tamin'ny rajambene. 9Tsy tokone hisy anjara hifindra tagnana hôn'ny foko hafa. Ny olo abiaby amin'ny fokon'ny fokon'olon'Israely die hitagna ny lovane mandy."10Die nagnano araka ijay nandidian'i Yaveh an'i ny janakavavin'i Zelofada. 11Mahala, Tirza, Hogla, Milka, ary Noa, ny janakavavin'i Zelofada, die nanambady ny taranak'i Manase. 12Nanambady tao amin'ny fianakaviamben'ny taranak'i Manase janak'i Josefa areo. Ka ijay, ny nipitrahan'ny lovan-dreo tao amin'ny foko ijay an'ny fianakaviamben'iaban-dreo.13Io ny didy sy lalàna ijay nomen'i Yaveh tamin'ny alalan'i Mosesy hôn'ny fokon'olon'Israely teo amin'ny lemak'i Moaba amorogn'i Jordana tao Jeriko.

Joshua

Chapter 1

1Ka tafaran'ny nahafatesan'i Mosesy mpanompon'i Yaveh, die nivoria tamin'i Josoa janak'i Nona i Yaveh, lehiben'ny mpagnampin'i Mosesy, nijaka hoe: 2"Mosesy, ilay mpanompoko, die efa maty. Ankehitriny ary, mitsangàna, mitsakà an'itoy Jordana itoy, anao sy itoy fokon'olo itoy, ho agny amin'ny tany ijay homeko an-dreo- die hôn'ny fokon'olon'Israely. 3Efa nomeko ano ny toerana abiaby ijay hengan'ny hongotrareo. Efa nomeko anareo ijay, araka ny efa nampagnantenaiko an'i Mosesy.4Hatagne agne amin'ny an-tany efitra sy Libanona, sy ny renirano makadiry, ny Eofrata, ny tanin'ny Hetita abiaby, ka hatagne amin'ny Ranomasina Mena, ijay hilentehan'ny masoanadro die ho taninareo. 5Tsy hisy olo ho afa-hitsangagna eo alohakanao amin'ny androm-piaignanao. Homba anao Iaho manahaka ny nombako an'i Mosesy. Tsy hagnary anao Iaho na handao anao.6Mahereja sy matanjaha. Fa anao die hampandova an'itoy fokon'olo itoy ny tany ijay efa nampagnantenaiko ny rajagnao fa nomeko an-dreo. 7Mahereja sy matanjaha. Mitandrema mba hankatò ny lalàna abiaby ijay nandidian'i Mosesy mpanompoko. Aja mienga tamin'ijay na hômin'ny ankavia na hômin'ny ankavanana, mba hahomby anao na aja na aja andihananao.8Hivoria momba an'itoy bokin'ny lalàna itoy fehijay anao. Hisaisaigna andro aman'aligna amin'ijay anao mba hahafahanao mankatò ijay abiaby vôsoratra ao amin'ijay. Die hambinina sy hahomby anao. 9Sa ve tsy efa nandidy anao Iaho? Mahireja sady matanjaha! Aja matahotre. Aja kivy. Yaveh Andriamanitrao die homba anao na aja na aja andihananao."10Avy Josoa nandidy ny mpitarika ny fokon'olo hoe: 11"Mengà mamakivaky ny toby ka mibekoa ny fokon'olo hoe: 'Magnomàgna vatsy hôn'ny tegnanareo. Afaka telo andro die hempita an'itoy Jordana itoy anareo sady hienga agne ka hangala ny tany ijay omem'i Yaveh Andriamanitrareo ho fanagnana."12Hôn'ny Robenita, ny Gadita sy ny asasaky ny fokon'i Manase, die hoy Josoa hoe: 13"Atôvy an-tsaigna ny jaka ijay nandidian'i Mosesy mpanompon'i Yaveh anareo laha nijaka ijy hoe: 'Yaveh Andriamanitrareo die efa nagnome fitsaharana, ka omene anareo ijay tany ijay.'14Ny sakejanareo, ny jaja madinikareo, sy ny biby fiompinareo die hipetraka agne amin'ny tany ijay omen'i Mosesy anareo agne an-dafin'i Jordana. Fa ny lelahy mpiadinareo die hienga hiaraka amin'ny rahalahinareo ka hagnampy an-dreo15 mandra-pagnomejan'i Yaveh fitsaharana hôn'ny rahalahinareo hôtran'ny efa nagnomejane an'ijay anareo. Ka areo die hangala ho fanagnana ny tany ijay nomen'i Yaveh Andriamanitrareo an-dreo. Avy teo die himpody agne amin'ny taninareo anareo ka hangala an'ijay ho fanagnana, ny tany ijay nomen'i Mosesy mpanompon'i Yaveh anareo agne an-dafin'i Jordana, ijay hiposahan'ny masoanadro."16Avy teo areo namaly an'i Josoa, nagnano hoe: "Ny abiaby ijay nampanôvinao anay die hamboarinay, ka na aja na aja agnirahanao anay die handihananay. 17Hankatò anao ahay hôtran'ny nankatoavanay an'i Mosesy. 18Na ija na ija mikomy ireo didinao sady tsy mankatò ny jakanao die vonina ho faty. Mahireja ka manàgna herim-po fotsiny mandy."
Chapter 2

1Die Josoa janak'i Nona nagniraka roe lahy mangingigna laha tagne Sitima hôtran'ny mpitsikilo. Hoy ijy hoe: "Mandihàna, jahavo ny tany, indrindra fa Jeriko." Die nienga areo ka avy tao an-dragnon'ny mpivaro-tegna raike angihina hoe Rahaba, die nitoboke tao areo. 2Nivorianina tamin'ny mpanjakan'i Jeriko hoe: "Io, avy eto ny lelahin'Israely mba hitsikilo ny tany." 3Die nandefa hafatra tamin'i Rahaba ny mpanjakan'i Jeriko ka nagnano hoe: "Indôsy mibôke ny lelahy ijay avy teo aminao sady niditra tan-dragnonao tao io, satria avy mba hitsikilo ny tany ray manontolo areo."4Fa nalain-draviave ny roe lahy ka navonine. Namaly ijy hoe: "Ieke, avy tato amin'ahe ireo lelahy, kanefa tsy nahalala ijay nevian-dreo iaho. 5Nienga areo laha aligna, tamin'ny fotôgna nihidian'ny vavahadin'ny tanàna. Tsy fantako ijay nandihanan-dreo. Mety ho tratranao areo laha magnaraka malaky an-dreo anao."6Kanefa nampagnanihine tao an-tafo-tragno areo ka navonine tao amin'ny tovon-drongony ijay efa nivelarine teo amin'ny tafo-tragno.7 Ka die nagnenjika an-dreo tegne an-dalagna negnagne amin'ny lakan-dranon'ny Jordana ny lelahy. Vô tafavôke ny mpagnenjika die nihidy ny vavahady.8Tsy mbola nandry ny lelahy ny aligna, laha avy nagnanike tao amin-dreo tao an-tafo-tragno ilay viave. 9Hoy ijy hoe: "Fantako fa nomen'i Yaveh anareo ny tany ka avy teto aminay ny tahotra anareo. Halemy eo agnatrehanareo ny abiaby mitoboke eto amin'ny tany.10Regninay ny fomba nagnamaignan'i Yaveh an'ilay Ranomasina Mena hônareo laha nivôke ny tany Egypta anareo. Regninay mandy koa ny namboarinareo tamin'ny mpanjakan'i Amorita roe tegne agnilan'i Jordana- die Sihona sy Oga- ijay naripakareo tanterake. 11Vatane vô regninay ijay, die nalemy ny fonay ka tsy nisy herim-po tavela tao amin'ija na ija- fa Yaveh Andriamanitrareo, die Andriamanitra agne an-dagnitre ambony agne sy etoy an-tany ambany etoy.12Ankehitriny ary, mba ianiano amin'ahe amin'ny alalan'i Yaveh moa, halemy fagnahy amin'ny havan'iabako anareo, araka ny hatsaram-pagnahiko taminareo mandy. Omeo famantarana ajo antoke iaho 13fa hamindra fo amin'ny aign'iabako, iendriko, ny analahiko, anakaviko, sy ny havane abiaby anareo, ka hagnavotra anay amin'ny fahafatesana."14Die hoy ireo lelahy tamin'aje hoe: "Hatakalo amin'ny aignareo ny aignay, na die hômin'ny fahafatesana aja! Laha tsy mivoria momban'ny raharahanay anao, die feno famindram-po sady hatoky anareo ahay laha omen'i Yaveh anay itoy tany itoy."15Die nagnake an-dreo hijotso hivôka teo amin'ny varavaran-kely tamin'ny fampesana tady ijy. Niorigna teo amin'ny mandan'ny tanàna ny tragno ijay nipitrahane. 16Hoy ijy tamin-dreo hoe: "Mengà egne amin'ny tagnambogna ka mivonija laha tsy ijay ho hitan'ny mpagnenjika anareo. Mivonija agne mandritra ny telo andro mandram-pipodian'ny mpagnenjika.,Avy teo die tohijo ny lalagnareo." 17Hoy ireo lelahy tamin'aje hoe: "Tsy vôfehy amin'ny fampagnantenan'ny fifantana ijay nampifantanao anay ahay, laha ohatra ka tsy magnano an'ijao anao."18Laha avy eto amin'ny tany ahay, die tsy mentsy fihejinao eo am-baravarakely itoy tady mena ijay nampijotsônao anay itoy, ka havorinao an-dragno ato iabanao sy iendrinao, ny analahinao sy ny havan'iabanao abiaby. 19Na ija na ija mivôka ny varavaragn'ny tragnonao hôn-dalagna egne, die ho eo an-dohan-dreo manokagna ny ràny ka tsy ho meloke ahay. Fa laha misy tagnana miampatre eo amin'ijay abiaby miaraka aminao an-dragno ato, die hôn-dohanay eo ny ràny.20Fa laha mivoria momba ny raharahanay anao, die ho afaka amin'ny fifantana ijay nampifantanao anay ahay." 21Die namaly Rahaba hoe: "Hamboarina anie ijay nivorianinareo." Nalefane areo ka nienga. Avy teo namehy ny tady mena teo am-baravarakely ijy.22Nienga areo ka nandeha nagnanika tagne amin'ny tagnambogna ka nijanogna tegne nandritra ny telo andro mandra-pipodian'ny mpagnenjikan-dreo. Nandrembe nagneragna ny lalagna abiaby ny mpagnenjika ka tsy nahita na ino na ino.23Die nipody ny lelahy roe ary nitsaka ka tafapody tagne amin'i Josoa janak'i Nona, die nivorianin-dreo tamin'aje ny raha abiaby ijay niseho tamin-dreo. 24Hoy areo tamin'i Josoa hoe: "Efa nomen'i Yaveh antsena tokôtre io tany io. Malemy aby ny mponigna abiaby ao amin'ilay tany noho ny amintsena."
Chapter 3

1Nifoha maraigna be i Josoa, ka die nienga tao Sitima areo. Negnagne Jordana areo, ijy sy ny fokon'olon'Israely abiaby, ka nitoby teo melohan'ny nitsakane.2Afaka telo andro, ny manam-pahefana die nandeha teo agnivon'ny toby; 3nandidy ny olo areo hoe: "Laha mahita ny fiaran'ny fifagniken'i Yaveh Andriamanitrareo anareo, sy ny mpisorogna laha tamin'ny Levita mibata an'ijay, die ôka hienga tamin'itoy toerana itoy anareo ka hagnaraka an'ijay. 4Ôka hisy hatakatake arivo kikiho eo aminareo sy ijay. Aja magnariny an'ijay, mba hahafahanareo mahita ny lalagna andihanana, satria mbola tsy nandeha tamin'io lalagna io anareo talohake."5Hoy Josoa tamin'ny fokon'olo hoe: "Hamasigno ny tegnanareo ampitso, fa hambôtre fahajendagnana aminareo eo Yaveh." 6Sady hoy Josoa tamin'ny mpisorogna hoe: "Indôsy ny fiaran'ny fifagnikena, ka maombà alohakan'olo eo." Ka die nandray ny fiaran'ny fifagnikena areo ka nandeha talohakan'olo teo.7Hoy Yaveh tamin'i Josoa hoe: "Ijao niany ijao die hatako lelahy mahery amason'ny Israely abiaby eo anao. 8Hahafantatra areo fa manahaka ny nerahako tamin'i Mosesy, ny herahako aminao. Anao die handidy ny mpisorogna ijay mibata ny fiaran'ny fifagnikena hoe: 'Laha avy egne amorogn'ny ranon'i Jordana anareo, die ôka ho marigna eo amin'ny Reniranon'i Jordana."'9Die hoy Josoa tamin'ny olon'Israely hoe: "Avia atoy, ka tenoy ijao jakan'i Yaveh Andriamanitrareo ijao. 10Amin'ny alalan'itoy ny halalanareo fa ny Andriamanitra velogna die aminareo eo ka handrôka ny Kananita, ny Hetita, ny Hivita, ny Perizita, ny Girgasita, ny Amorita ary ny Jebosita tsy hôlohakareo eo. 11Igne! ny fiaran'ny fifagniken'ny Tompon'ny tany abiaby mitsake alohakareo eo ho ao Jordana.12Ankehitriny mifidiana olo roe ambin'ny folo laha tamin'ny fokon'Israely, lelahy raike laha tamin'ny kiraidraike. 13Laha mikasika ny ranon'i Jordana ny faladian-kongotrin'ny mpisorogna ijay mitondra ny fiaran'i Yaveh, Tompon'ny tany abiaby, die ho tapaka ny onin'i Jordana, ka na ny rano ijay mikoriagna laha tambony tagne aja die hijanogna hibotry ho raike."14Ka laha nienga mba hitsaka an'i Jordana ny olo, die nomba talohakan'ny olo teo ny mpisorogna ijay nibata ny fiaran'ny fifagnikena. 15Laha vô avy teo Jordana areo ijay nibata ny fiara, ka niroboke teo amorogn'ny rano ny hongotran-dreo (ka ny ranon'i Jordana die tondraka hategne amin'ny morogne abiaby nandritra ny fotôm-pilejana), 16ny rano ijay nikoriagna nijotso laha tambony tagne die nijanogna ka nibotry ho raike. Nijanogna laha tegne lavitra die lavitra ny fikoriagnan'ny rano. Nijanogna nikoriagna laha tagne Adama, ny tanàna ijay marivon'i Zaretana, hatagne amin'ny lalagna nijotso negnagne amin'ny ranomasin'i Negeva, ny Ranomasina Sira, ny rano. Nitsake nagnarivo an'i Jeriko ny fokon'olo.17Ny mpisorogna ijay nitondra ny fiaran'ny fifagniken'i Yaveh die nijanogna teo amin'ny tany maigna teo agnivon'i Jordana mandram-pitsakan'ny olon'Israely abiaby teo amin'ny tany maigna.
Chapter 4

1Laha tafatsaka an'i Jordana ny olo abiaby, die nijaka tamin'i Josoa i Yaveh hoe: 2"Misafidiàna anao lelahy roe ambin'ny folo amin'ny fokon'olo, lelahy raike aby isaky ny foko. 3Omeo an-dreo itoy didy itoy: 'Mangalà vato roe ambin'ny folo ao agnivon'i Jordana ijay itsanganan'ny mpisorogna eo amin'ny tany maigna, ka indôsy magnaraka anareo ijay ka apitrahy eo amin'ny toerana ijay handrianareo niany aligna."'4Ka nangehin'i Josoa ny lelahy roe ambin'ny folo ijay efa nisafidine teo amin'ny fokon'Israely, raike isaky ny foko. 5Hoy Josoa tamin-dreo hoe: "Miengà melohakan'ny fiaran'i Yaveh Andriamanitrareo ao agnivon'i Jordana. Hibata vato egne amin'ny sorogne aby anareo kiraidraike, araka ny isan'ny fokon'ny fokon'olon'Israely6Ijay die ho famantarana eo aminareo laha hagnontany anareo ny janakareo amin'ny andro ho avy hoe: 'Ino ny dikan'io vato io aminareo? 7Ka hoy anareo amin-dreo hoe: 'Nivakina teo agnatrehan'ny fiaran'ny fifagniken'i Yaveh ny ranon'i Jordana. Laha nomba teo amin'i Jordana ijay, die vaky ny ranon'ny Jordana. Ka ho fahatserovana mandrakijay hôn'ny fokon'olon'Israely io vato io."'8Ny fokon'olon'Israely nagnano araka ijay nandidian'i Josoa an'aje, ka nangala vato roe ambin'ny folo teo agnivon'ny Jordana areo, araka ny nijakain'i Yaveh an'i Josoa. Nampekarin-dreo araka ny isan'ny fokon'Israely ny isan'ny vato. Nibatain-dreo niaraka tamin-dreo ny vato, negnagne amin'ny toerana ijay nitobian-dreo ka natobokane tambany teo. 9Avy teo Josoa nametraka vato roe ambin'ny folo teo agnivon'ny Reniranon'ny Jordana, teo amin'ny toerana ijay nitsanganan'ny hongotrin'ny mpisorogna ijay nitondra ny fiaran'ny fifagnikena. Agne ijay fahatserovana ijay mandrak'androany.10Ny mpisorogna ijay nibata ny fiara die nitsangagna teo agnivon'ny Jordana mandra-pahatanteraky ny raha abiaby nandidian'i Yaveh hijakain'i Josoa tamin'ny fokon'olo, araka ny abiaby efa nandidian'i Mosesy an'i Josoa. Nitsaka nalaky ny fokon'olo. 11Laha tafatsaka aby ny olo, die nitsaka teo alohakan'ny fokon'olo ny fiaran'i Yaveh sy ny mpisorogna.12Ny fokon'i Robena, ny fokon'i Gada, ary ny asasaky ny fokon'i Manase die nomba melohakan'ny nilaharan'ny fokon'olon'Israely hôtran'ny miaramila, araka ny nivorianin'i Mosesy tamin-dreo. 13Lelahy vôomagna hiady tokone ho efatre arivo ny nomba teo alohakan'i Yaveh, mba hiady egne amin'ny tany lemak'i Jeriko. 14Tamin'io andro io die natan'Andriamanitra makadiry teo amason'ny fokon'olon'Israely abiaby i Josoa. Nagnome voninahitra an'aje areo- hôtran'ny nagnomejan-dreo voninahitra an'i Mosesy- nandritra ny androm-piaignane.15Ka nivoria tamin'i Josoa i Yaveh hoe: 16"Omeo beko ny mpisorogna ijay nibata ny fiaran'ny vavolombelogna mba hienga laha tao Jordana."17Ka die nagnome beko ny mpisorogna i Josoa hoe: "Miboaha ao Jordana." 18Laha nivôke laha tao agnivon'ny Jordana ny mpisorogna nibata ny fiaran'ny fifagniken'i Yaveh, ka nagnanika tegne amin'ny tany maigna ny faladian-kongotran-dreo, die nipody tamin'ny toerany ka nihôtra ny morogne ny ranon'ny Jordana, hôtran'ny tamin'ny efatra andro melohake.19Nivôke laha tao Jordana ny fokon'olo tamin'ny andro fahafolon'ny volagna vôlohane. Nijanogna tao Gilgala areo, atsignanan'ny Jeriko. 20Ny vato roe ambin'ny folo ijay nalain-dreo laha tao Jordana, die napetrak'i Josoa tao Gilgala. 21Hoy ijy tamin'ny fokon'olon'Israely hoe: "Laha magnontany an'iabane ny taranakareo amin'ny fotôgna ho avy hoe: 'Ino io vato io?'22Jakay ny janakareo hoe: 'Teo ny nitsakan'i Israely an'ny Jordana tamin'ny tany maigna.' 23Nihamegnin'i Yaveh Andriamanitrareo hônareo ny reniranon'ny Jordana, mandra-pitsahanareo, hôtran'ny ny namboarin'i Yaveh Andriamanitrareo tamin'ny Ranomasina Mena, ijay nihamegnine hôntsena mandra-pitsahantsena, 24mba hahafantaran'ny olo abiaby eto an-tany fa mahery ny tagnan'i Yaveh, sady mba hagnomejanareo voninahitra an'i Yaveh Andriamanitrareo mandrakijay."
Chapter 5

1Vatany vô regnin'ny mpanjakan'i Amorita abiaby tagne amin'ny ilane atsignanan'i Jordana, sy ny mpanjakan'i Kananita abiaby, ijay nagnamorogna ny morogn'ny Ranomasina Makadiry, fa Yaveh die efa nandritra ny ranon'ny Jordana mandra-pitsahan'ny fokon'olon'Israely, die nitsonika ny fon-dreo, ka tsy nisy fagnahy koa tao amin-dreo noho ny fokon'olon'Israely.2Tamin'ijay fotôgna ijay die hoy i Yaveh tamin'i Josoa hoe: "Magnamboara antsy afovato ka foray indraike mandeha ny lelahin'Israely abiaby," 3Ary Josoa nagnambôtre antsy afovato ka namora ny lelahin'Israely abiaby tao Gibeata Haralota.4Ijao ny antone namoran'i Josoa an-dreo: ny lelahy abiaby ijay nivôke an'i Egypta, agnisan'ijay ny lelahy mpiady abiaby, die maty an-dalagna tagne agn'efitra, tafaran'ny niboahan-dreo laha tagne Egypta. 5Na die vôfora aby aja ny lelahy abiaby ijay nivôke an'i Egypta, die mbola tsy nisy tamin'ny jajalelahy teraka an-dalagna tagne agn'efitre nivôke an'i Egypta no vôfora.6Fa ny fokon'olon'Israely die nandeha efapolo taogna tagne agn'efitre mandra-pahafatin'ny fokon'olo abiaby, ijany hoe, ny lelahy mpiady abiaby ijay nivôke an'i Egypta, die maty, satria tsy nankatò ny feon'i Yaveh areo. Nifanta tamin-dreo Yaveh fa tsy hagnavela an-dreo hahita ny tany ijay nifantane tamin'ny rajamben-dreo fa homene an-dreo, die tany tondra-dronono sy tintely. 7Ny jana-dreo ny nasolon'i Yaveh teo amin'ny toeran-dreo ijay namoran'i Josoa, satria tsy vôfora tegne an-dàlagna areo.8Laha vôfora aby ijy abiaby, die nijanogna tao amin'ijay nitobiane areo mandra-pahasitragnan-dreo. 9Ka hoy i Yaveh tamin'i Josoa hoe: "Niany die efa nangala taminareo ny fahafaham-barakan'i Egypta Iaho." Ka ny agnaran'ijay toerana ijay die nangihina hoe Gilgala mandraky niany.10Nitoby tao Gilgala ny fokon'olon'Israely. Nampirimin-dreo hôn'ny alignan'ny fahefatre ambin'ny folo andron'ny volagn'ny Paska, teo amin'ny lemak'i Jeriko. 11Nihinagna ny saragne tamin'ny vokatry ny tany areo tafaran'ny Paska: mofo tsy misy masirasira, ary vary vôendy.12Nijanogna tamin'ny andro tafaran'ny nihinanan-dreo ny vokatry ny tany ny mana. Tsy nisy mana hôn'ny fokon'olon'Israely koa, fa nihinagna ny vokatry ny tany Kanana areo tamin'ijay taogna ijay.13Laha takekin'i Jeriko teo i Josoa, die nandrandra ny masone ka nijaha, ka igne, nisy lelahy raike nitsangagna teo alohakane; nitsoahine ny sabany ka tegne an-tagnane ijay. Negneo amin'aje i Josoa ka nijaka hoe: "Miaraka aminay anao sa miaraka amin'ny fahavalonay?"14Hoy ijy: "Tsiare. Satria mpibeko ny tafik'i Yaveh iaho. Avy iaho ijao." Ary Josoa nandohalike tamin'ny tany mba hanompo ka nijaka tamin'aje hoe: "Ino ny vorianin'ny tompoko amin'ny mpanompone?" 15Ny mpibeko ny tafik'i Yaveh nijaka tamin'i Josoa hoe: "Alay tamin'ny hongotrao ny kapanao, satria ny toerana ijay itsangananao die masina." Die ijay ny natan'i Josoa.
Chapter 6

1Ka nikatogna aby ny fidirana abiaby negnao Jeriko noho ny tafik'Israely. Tsy nisy nivôke sady tsy nisy niditra tao. 2Hoy Yaveh tamin'i Josoa hoe: "Io, efa nomeko teo an-tagnanao Jeriko, ny mpanjakane, ary ny miaramila vôomagne.3Ôka anao hagnano diabe magnodidigna ny tanàna, ny lelahy mpiady ny mienga magnodidigna ny tanàna indraike mandeha. Ôka hagnano an'ijay mandritra ny enina andro anao. 4Mpisorogna fito ny hitondra ny trompetra fito vita amin'ny tandrok'osy eo alohakan'ny fiara. Amin'ny andro fahafito die tsy mentsy magnano diabe magnodidigna ny tanàna impito anareo, ka tsy mentsy mitsoka mahare ny trompetra ny mpisorogna.5Avy teo die tsy mentsy mampagneno trompetra lavareny amin'ny tandrok'osy areo, ka laha maharegny ny feon'ny trompetra anao die tsy mentsy mihoraka amin'ny hiaka mahare ny fokon'olo abiaby, ka hirodagna ny mandan'ny tanàna. Tsy mentsy hanafika ny miaramila, ka hijotra amin'ny hitsiny aby ny kiraidraike."6Ka nangaike an'ireo mpisorogna i Josoa janak'i Nona ka nijaka tamin-dreo hoe: "Indôsy ny fiaran'ny fifagnikena, ka ôka hisy mpisorogna fito hitondra trompetra tandrok'osy fito ho eo alohakan'ny fiaran'ny fifagniken'i Yaveh." 7Hoy ijy tamin'ny fokon'olo hoe: "Mandihàna ka mamboara diabe magnodidigna ny tanàna, ka hienga eo alohakan'ny fiaran'i Yaveh ny lelahy mitam-pediana."8Araka ijay nivorianin'i Josoa tamin'ny fokon'olo, die nitondra trompetra tandrok'osy fito teo agnatrehan'i Yaveh ny mpisorogna fito. Laha nagnantogna igne areo, die nitsoka trompetra. Nagnaraka an-dreo laha tafara tao ny fiaran'ny fifagniken'i Yaveh. 9Nisy lelahy mitam-pediana nandeha teo alohakan'ny mpisorogna, ka nitsoka ny trompetrane areo, fa nienga nagnanike laha tafaran-dreo tao ny mpiambigna ny vodi-lalagna, ka nitsoka ny trompetran-dreo hatagne ny mpisorogna.10Fa Josoa nandidy ny fokon'olo, nagnano hoe: Aja mihorake. Ôka tsy hisy feo hivôka amin'ny vavanareo mandra-pevian'ny andro hivorianako aminareo mba mba hihorake. Amin'ijay mandy anareo vô hihorake." 11Ka natane nandeha nagnodidigna ny tanàna indraike mandeha ny fiaran'i Yaveh tamin'io andro io. Ka die niditra ny tobiny areo, die nitoboke tao an-toby nandritra ny aligna.12Die nifoha maraim-be i Josoa, ka nalain'ny mpisorogna ny fiaran'i Yaveh. 13Nandeha mahare sady nitsoka ny trompetra ny mpisorogna fito, ijay nitondra ny trompetra fito tandrok'osy teo alohakan'ny fiaran'i Yaveh. Nisy miaramila mitam-pediana nandeha teo alohakan-dreo. Fa laha nandeha laha tafaran'ny fiaran'i Yaveh ny mpiandry vodi-lalagna, die namôka feo tsy mijanogna ny trompetra. 14Nagnano diabe nagnodidigna ny tanàna indraike mandeha areo tamin'ny andro faharoe ka nipody tagne an-toby. Nambôtra an'ijay nandritra ny enina andro areo.15Tamin'ny andro fahafito ny nengan-dreo vô majava ratsy, ka nagnano diabe nagnodidigna ny tanàna araka ny fomban-dreo mandy areo, fa impito tamin'itoy indraika mitoraka itoy. Tamin'io andro io ny namboaran-dreo diabe impito nagnodidigna ny tanàna. 16Tamin'ny andro fahafito, tamin'ny mpisorogna nitsoka ny trompetra tandrok'osy, ny nandidian'i Josoa ny fokon'olo hoe: "Mihorakoraha! Fa efa nomen'i Yaveh anareo ny tanàna.17Natokagna hôn'i Yaveh ho fandravana ny tanàna sy ijay abiaby amin'aje ao. Rahabe mpivaro-tegna rerike mandy ny ho velogna- ijy sy areo abiaby miaraka amin'aje an-dragnone ao- satria nagnavony ny lelahy nirahintsena ijy. 18Ny aminao koja, membena amin'ny fangalana ny raha vôtokagna hôn'ny fandravana, mba tsy hangala na ino na ino amin'ijay anao, laha avy nasianao marika hiravana ijay. Laha magnano an'ijay anao, die hahatonga ny tobin'Israely ho jatra tsy mentsy hiravaina ka hitondra fikorontagnana amin'ijay. 19Ny volafotsy, volamena, ary ny raha abiaby vita amin'ny varahigna sy vy die vôtokagna hôn'i Yaveh. Tsy mentsy halefa ao amin'ny fipitran-drakitr'i Yaveh io."20Laha nitsoka ny trompetra areo, die nihoraka mahare ny fokon'olo ka nirodagna ny manda, hany ka nihitsy niditra ny olo abiaby ka nambabo ny tanàna. 21Naripakandreo tamin'ny lelan-tsabatra tanteraka ijay abiaby tao amin'ny tanàna- ny lelahy sy viave, ny tanora sy antitre, ny ahomby, ny ondry ary ny boriky.22Avy teo die hoy Josoa tamin'ny lelahy roe nitsikilo tao amin'ny tany hoe: "Mengà agne an-dragnon'ny mpivaro-tegna. Indôsy mivôke ny viave sy ny abiaby miaraka amin'aje, araka ny nifantanareo tamin'aje."23Ka die niditra ka nitondra an'i Rahaba nivôke ny tovolahy roe mpitsikilo. Nindôsin-dreo nivôke iabane, iendrine, ny analahine, ary ny havane ijay niaraka tamin'aje. Nindôsin-dreo tagne amin'ny toerana raike avelagn'ny tobin'Israely areo. 24Nirôn-dreo ny tanàna sy ijay abiaby tao amin'aje. Ny volafotsy, volamena, ary ny fitôvana vita amin'ny varahigna sy vy mandy ny natao tao agnatin'ny fipitrahan-drakotry ny tragnon'i Yaveh.25Fa navelan'i Josoa ho velogna Rahaba mpivaro-tegna, ny havan'iabane, ary ny abiaby niaraka tamin'aje. Mipetraka agne Israely mandrak'androany ijy satria nagnavony ny lelahy ijay nirahin'i Josoa hitsikilo tao Jeriko.26Ka tamin'ijay fotôgna ijay die nandidy an-dreo tamin'ny fifantana i Josoa, ka nijaka hoe: "Vôtsitsike amason'i Yaveh eo anie ijay olo mampody manangagna an'itoy tanàna itoy, die i Jeriko. Amin'ny aign'ny janagne lahimatoa ny hametrahane fototra, ka amin'ny aign'ny janagne faralahy ny hananganane ny vavahadine." 27Ka die nomba an'i Josoa i Yaveh, ka niparitake nagneragna ny tany ny lajane.
Chapter 7

1Fa ny fokon'olon'Israely tsy natoky tamin'ny raha natokagna hômin'ny fandravana. Hakana janaka lahin'i Karmy sy jafin'i Zabdia ary jafiafin'i Zera, laha tamin'ny fokon'i Joda die nangala raha tao amin'ijay natokagna hômin'ny fandravàna, ka nirehitre tamin'ny fokon'olon'Israely ny havigniran'Andriamanitra.2Josoa die nagniraka lelahy laha tao Jeriko negnagne Ay, ijay marivon'i Bety Avena, atsignanan'i Betela. Hoy ijy tamin-dreo hoe: "Magnaniha ka tsikilovy ny tanàna." Ka nagnanika ny lelahy ka nitsikilo tao Ay. 3Laha nimpody teo amin'i Josoa areo, die hoy areo tamin'aje hoe: "Aja avela magnanika agne Ay ny fokon'olo abiaby. Lelahy roe arivo na telo arivo mandy halefa hanafika an'i Ay. Aja mamijake ny fokon'olo abiaby agne amin'ny ady, satria vitsy agn'isa areo."4Ka teo ho eo amin'ny lelahy telo arivo ny nagnanika laha tamin'ny tafika, fa nilefa ny lelahin'i Ay areo. 5Ny lelahin'i Ay die nahafaty teo amin'ny enina amby telopolo lahy teo laha nagnenjika an-dreo hateo amin'ny vavahadin'ny tanàna hategne amin'ny toerana famakiana vato, ka nivonin-dreo tegne am-pijotsôna ny tagnambogna areo. Natahotra ny fon'ny fokon'olo ka niala tamin-dreo ny herim-pone.6Avy teo die nirotain'i Josoa ny lambane. Ijy sy ny loholon'Israely die nagnisy botany ny lohan-dreo ka nampenkohoke ny tavan-dreo teo amin'ny tany teo alohakan'ny fiaran'i Yaveh, nijanogna teo mandra-pahaligna. 7Die nijaka Josoa hoe: "Ô, ry Yaveh Tompo, nagnino no nindôsinao nitsaka an'i Jordana ireo fokon'olo ireo? Mba hanolotra anay eo an-tagnan'ny Amorita mba haharipaka anay ve? Laha mba managna fanapahan-kevitra sambihafa mako ahay die nijanogna tegne agnilan'i Jordana!8Tompo ô, ino ny ajoko vorianina, fa efa nitodika teo agnatrehan'ny fahavalon-dreo Israely? 9Satria ny Kananita sy ny mponign'ny tany abiaby die haharegny ny momba an'ijay. Hagnodidigna anay areo ka hampagnadigno ny agnaranay amin'ny olon'ny tany. Ka ino ny hatanao hôn'ny agnaranao makadiry?"10Hoy Yaveh tamin'i Josoa hoe: "Mitsangàna! Nagnino anao no magnohoka ny vatagnao eo? 11Nagnota Israely. Nandika ny fagnikeko ijay nandidiako an'aje areo. Efa nangalatra ny saragne tamin'ny raha ijay vôtokagna areo. Efa nangalatra areo sady avy teo koa die nagnavony ny otany tamin'ny fametrahana ireo ijay efa nalain-dreo hôgnisan'ny fanagnane manokagna. 12Vokatr'ijay, tsy afaka nitsangagna teo agnatrehan'ny fahavalon-dreo ny fokon'olon'Israely. Nemboho ny fahavalone areo satria efa natokagna hômin'ny fahapotehana ny tegnan-dreo. Tsy hiaraka aminareo koa Iaho laha tsy manimba ny raha ijay tokone nipotehina anareo, kanefa mbola aminareo eo.13Mitsangàna! Hamasigno amin'Ahe ny olo ka voriano areo hoe: 'Hamasigno hôn'ny ampitso ny tegnanareo. Kanefa Yaveh, ilay Andriamanitr'Israely nagnano hoe: "Misy ny raha ijay natokagna hipotehina mbola aminareo eo, ry Israely. Tsy afaka mitsangagna hanohitra ny fahavalonareo anareo laha tsy mangala aminareo teo ny raha abiaby ijay natokagna hipotehina."14Amin'ny maraigna, die tsy mentsy manolotra ny tegnanareo amin'ny fokonareo anareo. Ny foko ijay nisafidin'i Yaveh die hagnarivo ny fianakaviamben-dreo. Ny fianakaviambe ijay nisafidin'i Yaveh die tsy mentsy magnarivo ny isan-tokatragno. Ny tokantragno ijay nisafidin'i Yaveh die tsy mentsy mifakarivo kiraidraike. 15Ka ny raike ijay nisafidina sady managna ny raha ijay natokagna hômin'ny fahapotehana, die horôna, ijy sy ijay anagnane abiaby, satria navadika ny fagniken'i Yaveh ijy ary satria nagnano raha mangala-baraka tao Israely."'16Noho ijay, nifoha maraigna Josoa ka nitondra an'Israely nagnarivo, isam-poko, ka vôfidy ny fokon'i Joda. 17Nindôsin'i Josoa nagnarivo ny fokon'i Joda, ka vôfidy ny fokon'i Zeraita. Nindôsine nagnarivo isan'olo ny fokon'i Zeraita, ka vôfidy i Zabdia. 18Nindôsine nagnarivo ny havan'i Zabdia, nandeha kiraidraike isan'olo, ka Akana janaka lahin'i Karmy, jafin'i Zabdia, jafikelin'i Zera, laha tamin'ny fokon'i Joda, no vôfidy.19Ka hoy Josoa tamin'i Akana hoe: "Ry janako lahy, jakay eo agnatrehan'i Yaveh, ilay Andriamanitr'Israely ny marina, ka omeo an'Aje ny fiain-kelokao. Mba voriano an'Ahe moa ijay namboarinao. Aja avony an'ahe ijay." 20Namaly an'i Josoa i Akana hoe: "Marina tokôtre, fa nagnota tamin'i Yaveh, ilay Andriamanitr'Israely iaho. Ijao ny namboariko: 21Laha nahita akanjo lava tsara tarehy teo amin'ny raha babo laha tao Babylona, sy volafotsy rônjato sekely, ary anjam-bolamena milanja dimampolo sekely iaho, die nagniry an'io ka nangala an'io. Ao agnivon'ny laiko ao agnaty tany io no navoniko, ka ambanin'ijay ao ny volafotsy."22Nandefa iraka i Josoa, ijay nihajakajaka negnagne amin'ny lay ka tao io raha io. Laha nijaha areo, die nahita an'ijay navony tao amin'ny lainy manokagna, ary ny volafotsy tambanin'ijay tao. 23Nalain-dreo tagnivon'ny lay teo io raha io ka nindôsin-dreo tagne amin'i Josoa sy ny fokon'olon'Israely abiaby. Nararakan-dreo teo agnatrehan'i Yaveh ijay.24Avy teo Josoa, sy ny Israely abiaby niaraka tamin'aje, nangala an'i Akana janaka lahin'i Zera, sy ny volafotsy, ny akanjo lava, ny anjam-bolamena, ny janagne lelahy sy janagne viave, ny ahombine, ny ampondrane, ny ondriny, ny lainy, ary ijay abiaby nanagnane, ka nindôsina nagnanika tagne amin'ny tagnambognan'i Akora areo.25Die hoy Josoa hoe: "Nagnino no mampidi-doja anay anao? Hampidi-doja anao i Yaveh niany." Nitily vato an'aje ny Israely abiaby. Ka nitilin-dreo vato ny sisa ka nagnoro an-dreo tamin'ny afo. 26Nanangagna antontam-bato makadiry teo ambonine areo ijay mbola eo mandraky niany. Nijanogna tamin'ny havignirane mirehitra Yaveh. Noho ijay ny nangehana ny agnaran'io toerana io hoe Tagnambognan'i Akora mandrak'ijao niany ijao.
Chapter 8

1Hoy Yaveh tamin'i Josoa: "Aja matahotre; aja kivy. Indôsy miaraka aminao ny fokon'olo mpiady abiaby. Mengà magnanika agne Ay. Io, efa natolotro eo am-pela-tagnanao ny mpanjakan'i Ay, ny fokon'olone, ny tanànany, sy ny tanine. 2Atôvy hôtran'ny namboaranareo an'ny Jeriko sy ny mpanjakane ny hamboaranareo an'ny Ay sy ny mpanjakane, kanefa halainareo ny babo sy ny biby fiompy. Agnavelay mpanafika mivony ao ambadiky ny tanàna."3Ka die nitsangagna i Josoa ka nangala ny lelahy mpiady abiaby hagnanika ho agne Ay. Avy teo i Josoa nifidy lelahy telo aligna- lelahy matanjake be herim-po- ka nampengaine areo ny aligna. 4Nibeko an-dreo ijy hoe: "Indro, hagnano fanafihana mivony ny tanàna anareo, ao ambadik'ijay. Aja magnalavitra ny tanàna, fa sambe mivognona anareo abiaby.5Iaho sy ny lelahy miaraka Amin'aje die hagnarivo ny tanàna, ka laha mivôke hanafika antsena areo, die hilefa an-dreo hôtran'ny talohaka teo antsena. 6Hagnenjika laha tafarantsena areo mandra-pitarihantsena an-dreo lavitra ny tanàna. Hijaka areo hoe: 'Milefa lavitra antsena areo hôtran'ny natan-dreo tamin'ny farane.' Ka hilefa hagnalavitra an-dreo antsena. 7Avy teo die hivôka amin'ny toeram-pivonianareo anareo, ka hambabo ny tanàna. Hagnome an'ijay eo ampelan-tagnanareo Yaveh Andriamanitrareo.8Laha ajonareo ny tanàna, die hirônareo ijay. Hamboarinareo ijay laha mankatò ny didy ijay nomena tamin'ny jakan'i Yaveh. Indro, efa nandidy anareo iaho.9 Nalefan'i Josoa areo, ka nienga tagne amin'ny toeram-pivoniena areo, ka nivony teo agnelagnelagn'i Betela sy Ay teo andrefagn'i Ay. Fa nandry teo amin'ny fokon'olo i Josoa ny aligna.10Nifoha maraigna i Josoa ka nagnomagna ny miaramila, Josoa sy ny loholon'Israely, ka nanafika ny fokon'olon'i Ay areo. 11Nagnanika ny lelahy mpiady abiaby ijay niaraka tamin'aje ka magnariny ny tanàna. Avy nagnakeky ny tanàna are ka nitoby teo avaratr'i Ay. Ka nisy lohasaha raike ny magnelagnelagna an-dreo sy Ay. 12Nangala lelahy teo amin'ny dimy arivo teo ijy ka nandefa an-dreo tao amin'ny fivoniena andrefagn'ny tanàna teo agnelagnelagn'ny Betela sy Ay.13Nalahatran-dreo ny miaramila abiaby, ny tafika makadiry negnao avaratry ny tanàna, ary ny mpiandry vodi-lalagna tao andrefagn'ny tanàna. Nandeha tao amin'ny lohasaha i Josoa ny alignan'io. 14Ka laha vô nahita an'ijay ny mpanjakan'i Ay, die nifoha maraigna ijy sy ny tafikane ka nivôke mba hanafika an'Israely tagne amin'ny toerana tanjon'ny lohasahan'ny Reniranon'i Jordana. Tsy fantany fa nisy fandrike nandigny hanafika laha tao ambadiky ny tanàna ijy.15Namela ny tegnan-dreo ho resy teo alohakan-dreo i Josoa sy ny Israely abiaby, ka nilefa tagne amin'ny tany efitra areo. 16Ny olo abiaby ijay tan-tanàna tao die nifangaike hagnenjika an-dreo, ka nagnenjika tafaran'i Josoa areo ka vôrôke lavitra ny tanàna. 17Tsy nisy ny ambin'ny lelahy tagne Ay sy Betela ijay tsy mbola nivôke nagnenjika an'Israely. Nandao ny tanàna areo ka nagnavela an'ijay hivoha laha nagnenjika an'Israely.18Hoy i Yaveh tamin'i Josoa hoe: "Atondroy eo amin'i Ay ny lefogna ijay eo an-tagnanao, fa homeko eo am-pelatagnanao i Ay." Nitajognin'i Josoa tanjon'ny tanàna ny lefogna ijay tegne an-tagnane. 19Ny miaramila nivony tao amin'ny fandrike die nirodogna nalaky nivôke ny toerana laha nagnampatra ny tagnane ijy. Nihajakajake areo ka niditra tao an-tanàna ary nangala an'ijay. Nirôn-dreo nalaky ny tanàna.20Nitodike ny olon'i Ay ka nijaha. Nahita setroke laha tao an-tanàna areo ijay nagnanika negnagne amin'ny lagnitre, ka tsy afaka nilefa areo na tetsy na teroy. Fa ny miaramilan'Israely ijay nilefa tagne an-tany efitra die nimpody hiatrika ny olo ijay nagnenjika an-dreo. 21Laha hitan'i Josoa sy Israely abiaby fa efa ajon'ny tafika mivony ny tanàna niaraka tamin'ny setroka magnanika, die nimpody teo areo ka namono ny olon'i Ay.22Ny miaramilan'Israely hafa, areo ijay nivôke ny tanàna, die nivôke hanafika an-dreo. Ka tratra tao agnelagnelagn'ny tafik'Israely ny olon'i Ay, ny saragne laha tao andagnine ary ny saragne laha tagnilane tao. Nitafihin'Israely ny olon'i Ay; tsy nisy na die raike tamin-dreo velogna na nilefa. 23Nalain-dreo ny mpanjakan'i Ay, ijay nisamborin-dreo velogna, ka nindôsin-dreo teo amin'i Josoa ijy.24Laha tapitra namono ny mponign'ny Ay abiaby tagne an-karenana marivon'ny tany efitra ijay nagnenjehan-dreo an'aje Israely, ka laha lavo tamin'ny lelan-tsabatra ijy abiaby, hatamin'ny farany indrindra, die nimpody tagne Ay ny Israely abiaby. Nitafihin-dreo tamin'ny lelan-tsabatra ijay. 25Areo abiaby ijay maty tamin'io andro io, lelahy sy viave mikambatre, die roe arivo sy iray aligna, ijay fokon'olo abiaby tao Ay. 26Tsy nampihemotra ny tagnane ijay namparine laha nitagna ny lefogna i Josoa, mandra-pandripahane tanteraka ny fokon'olo abiaby tao Ay.27Ny biby fiompy sy ny raha babo tao an-tanàna mandy ny nalain'Israely hôn-dreo, araka ny nandidian'i Yaveh an'i Josoa. 28Nirôn'i Josoa i Ay ka navadikane ho antontan-tragno rava mandrakijay ijay. Nanjary toerana hôlo ijay hatramin'ijao.29Naraviravine teo amin'ny hajo ny mpanjakan'i Ay mandra-pahaligna. Laha nikepoka ny masoandro, die nagnome ny didy i Josoa ka nalain-dreo hijotso amin'ny hajo ny fatin'ny mpanjaka ka natilin-dreo teo alohakan'ny vavahadin'ny tanàna. Teo ny nananganan-dreo antontam-bato makadiry teo ambonin'ijay. Mbola mivela eo ijay antontam-bato ijay hatramin'ijao.30Avy teo i Josoa nambôtra alitara hôn'i Yaveh, ilay Andriamanitr'Israely, tao an-tampom-bohitr'i Ebala, 31araka ny nandidian'i Mosesy mpanompon'i Yaveh ny fokon'olon'Israely, araka ny efa vôsoratre tao amin'ny bokin'ny lalàn'i Mosesy hoe: "Alitara raike hôn'ny vato vôvôtre, ijay tsy nisy na ija na ija nampiasa fitôvana vy tamin'ijay." Nagnome sorogna orôna hôn'i Yaveh teo ambony alitara ijy, ka nagnano sorom-pihavagnana areo. 32Teo, teo agnatrehan'ny fokon'olon'Israely, die nanoratra ny dika mitovy tamin'ny lalàn'i Mosesy teo amin'ny vato ijy.33Ny Israely abiaby, ny loholona, ny manam-pahefana, sy ny mpitsaran-dreo die nitsangagna teo amin'ny lafin'ny fiara roe teo alohakan'ny mpisorogna sy Levita ijay nitondra ny fiaran'ny fifagniken'i Yaveh- ny vahiny hôtran'ny tompon-tany- die nitsangagna teo alohakan'ny tampom-bohitr'i Gerzima ny asasakan-dreo ka nitsangagna teo alohakan'ny tampom-bohitr'i Abala ny asasagne raike hafa. Nitso-drano ny fokon'olo an'Israely areo, araka ny nandidian'i Mosesy mpanompon'i Yaveh an-dreo tamin'ny vôlohane.34Tafaran'ijay, die nivakin'i Josoa ny tenin'ny lalàna abiaby, ny fitahena sy tsitsike, araka ijay vôsoratran-dreo ao amin'ny bokin'ny lalàna. 35Tsy nisy na die teny raike aja tsy nivakin'i Josoa tamin'io nandidian'i Mosesy teo agnatrehan'ny fivondrognan'Israely, agnisan'ijay ny viave, ny jaja madinike, ary ny vahiny ijay nitoboke teo amin-dreo.
Chapter 9

1Ary ny mpanjaka abiaby ijay niaigna tagne agnilan'ny Jordana tagne amin'ny tagnambogna, sy tagne amin'ny lemaka amoron-dranomasin'ny Ranomasina Makadiry tanjon'i Libanona- ny Hitita, Amorita, Kananita, Perizita, Hivita, ary ny Jebosita- 2areo die niray hina ho eo ambany fifehejana raike, mba hanangagna ady amin'i Josoa sy Israely.3Laha regnin'ny mponign'i Gibeona ijay natan'i Josoa tamin'i Jeriko sy tamin'i Ay, 4die nagnano tetike an-kafetsena areo. Nienga ho iraka areo. Nitondra kitapo tonta areo ka nasampiny tamin'ny borikin-dreo ijay. Nitondra siny hoditre ijay tonta, rota, sady efa namboarina mandy koa areo. 5Kapa tonta sy nitampigna ny tegne an-tongon-dreo, ary nitafy tranainy, firakofana tonta. Ny mofo abiaby tao amin'ny fipitraham-batsin-dreo die kina sady bobongolo.6Die nienga tagne amin'i Josoa tagne an-toby tagne Gilgala areo ka nijaka tamin'aje sy tamin'ny lelahin'Israely hoe: "Efa nandeha laha tagne amin'ny firenena tena lavitra ahay, ka niany mamboara fifagnikena aminay." 7Hoy ny lelahin'Israely tamin'ny Hivita hoe: "Angamba anareo monigna marivo anay mandy. Hatanay akore ny hambôtra fifagnikena aminareo?" 8Hoy areo tamin'i Josoa: "Mpanomponao ahay." Josoa namaly an-dreo hoe: "Fa ija anareo? Laha taja ny nevianareo?"9Hoy areo tamin'aje: "Avy laha tagne amin'ny tany tena alavitra ito mpanomponao, noho ny agnaran'i Yaveh Andriamanitrareo. Regninay ny tatitra momba an'aje sy momba an'ijay abiaby natane tagne Egypta- 10ary ijay abiaby natane tamin'ny mpanjakan'i Amorita roe tagne agnilan'ny Jordana- tamin'i Sihona mpanjakan'i Hesbona, tamin'i Oga mpanjakan'i Basana ijay tagne Astarta.11Hoy ny loholonay sy ny mponigna abiaby tagne amin'ny firenenay taminay hoe: 'Mitondrà vatsy egne an-tagnanareo hômin'ny dia. Miengà mihaogna amin-dreo ka voriano areo hoe: "Mpanomponareo ahay. Mamboàra fifagnikena aminay."12 Itoy ny mofonay, mbola nafana itoy tamin'ny ahay nangala an'aje itoy tagne an-dragnonay tamin'ny andro nienganay hegnatoy aminareo. Kanefa ijao, io, maigna sady bobongolo itoy. 13Ito kitapo hoditra ito die vaovao tamin'ny namenoanay an-dreo, die io, mitete ijy io amin'ijao. Ny lambanay sy ny kapanay die simba nohon'ny dia tena lavitra."'14Die nangala saragne tamin'ny vatsine ny Israelita, nefa tsy nangala hevitra tamin'i Yaveh areo ho fitaritana. 15Josoa nihavana tamin-dreo sady nagnano fifagnikena tamin-dreo, mba hagnavelana an-dreo ho velogna. Ny mpitarika ny fokon'olo mandy koa die nagnano voady tamin-dreo.16Telo andro tafaran'ny namboaran'ireo Israelita ijay fifagnikena ijay tamin-dreo, die fatan-dreo fa hay mpifagnila-bodirindrigna areo ka nonigna nifankarivo teo. 17Avy teo die nienga ny fokon'olon'Israely ka avy tagne amin'ny tanànan-dreo tamin'ny andro fahatelo. Ny tanànan-dreo die Gibeona, Kefira, Berota, ary Kiriata Jearima.18Tsy nanafika an-dreo ny fokon'olon'Israely satria ny mpitarika an-dreo die efa nambôtre fifantanana momba an'aje teo agnatrehan'i Yaveh, Andriamanitr'Israely. Nimenimenegnan'ny Israelita abiaby ny mpitarika an-dreo. 19Ka hoy ny mpitarika abiaby tamin'ny fokon'olo manontolo: "Nambôtre fifantana nikasika an-dreo tamin'i Yaveh, Andriamanitr'Israely ahay, ka tsy afaka hagnano ratsy an-dreo antsena ankehitriny.20Ijao ny hatantsena amin-dreo: Mba helana amin'ny havignirana ijay mety hiseho amintsena noho ny fifantana nifantantsena tamin-dreo, die avelantsena ho velogna areo." 21Hoy ny mpitarika tamin'ny vahôkan-dreo: "Abilay areo ho velogna." Noho ijay, ny Gibeonita die nanjary mpanapaka hajo sady mpangala rano hôn'ny Israelita abiaby, araka ijay nivoriann'ny mpitarika momba an-dreo.22Nangaike an-dreo Josoa ka nijaka hoe: "Nagnino anareo no namitaka anay laha nijaka hoe: 'Tena lavitra anareo ahay,' nefa anareo mipetraka aminay eto?23 Ankehitriny, noho ijany, die vôtsitsike anareo ka ny saragne aminareo die ho andevo fehijay, areo ijay manapaka hajo sady mangala rano hôn'ny tragnon'Andriamanitro."24Namaly an'i Josoa areo ka nagnano hoe: "Satria nivorianina tamin'ito mpanomponao fa Yaveh Andriamanitrao nandidy an'i Mosesy mpanompone mba hagnome anao ny tany abiaby, ka handripake ny mponign'ny tany abiaby eo agnatrehanao- noho ijay die natahotra mahare ny aignay ahay noho anao. Ijay ny nahatonga anay nambôtre an'ijao raha ijao. 25Ankehitriny, indro tànanao amin'ny fahefanao ahay. Na ino na ino mety tsara sady marina aminao hatao aminay, die amboary ijay."26Die ijao ny natan'i Josoa hôn-dreo: nalaine tsy ho eo ambany fifehejan'ny fokon'olon'Israely areo, ka tsy nivonin'ireo Israelita. 27Natan'i Josoa mpanapaka hajo sady mpangala rano hôn'ny fiaraha-monigna, sy hôn'ny alitaran'i Yaveh NY Gibeonita tamin'io andro io, mandraky niany, eo amin'ny toerana ijay safidin'i Yaveh.
Chapter 10

1Ka laha regnin'i Adoni-zedeka, mpanjakan'i Jerosalema, fa babon'i Josoa i Ay ka nipotehine tanteraka ijay ( hôtran'ny namboarane an'i Jeriko sy ny mpanjakane), regnine mandy koa fa efa nihavana ny fokon'olon'ny Gibeona sy ny Israely ka niara-nipetraka areo. 2Die reki-tahotre tanteraka ny fokon'olon'i Jerosalema satria Gibeona die tanàna makadiry, hôtran'ny raike amin'ny tanànan'andriana. Makadiry noho i Ay ijay, ka ny lelahiny die mpiady mahery aby.3Noho ijay Adoni-zedeka, mpanjakan'i Jerosalema, die nandefa hafatra tagne amin'i Hohama, mpanjakan'i Hebrona, tagne amin'i Pirama, mpanjakan'i Jarmota, tagne amin'i Jafia, mpanjakan'i Lakisy, ary tagne amin'i Debira, mpanjakan'i Eglona hoe: "4 Magnaniha amin'ahe atoy ka ampio iaho. Andao hitafihintsena i Gibeona satria areo die efa nihavana tamin'i Josoa sy tamin'ny fokon'olon'Israely."5Ny mpanjaka dimin'ny Amorita, ny mpanjakan'i Jerosalema, ny mpanjakan'i Hebrona, ny mpanjakan'i Jarmota, ny mpanjakan'i Lakisy, ary ny mpanjakan'i Eglona die nagnanika, areo sy ny tafikane abiaby. Nametraka rafitra hanoherana an'i Gibeona areo, ka nanafika ijany.6andefa hafatra tagne amin'i Josoa sy tagne amin'ny tafika tagne Gilgala ny fokon'olon'i Gibeona. Hoy areo hoe: "Malaky! Aja alaina eo amin'ny mpanomponareo ny tagnanareo. Magnaniha malaky atoy aminay, ka vonjeo ahay. Ampio ahay, satria ny mpanjakan'i Amorita abiaby mipetraka egne amin'ny tagnambogna die efa nikambagna raike mba hanafika anay." 7Nagnanika laha tagne Gilgala i Josoa, ijy sy ny lelahy mpiady abiaby niaraka tamin'aje, ary ny lelahy mpanafika abiaby.8Ary Yaveh nijaka tamin'i Josoa hoe: "Aja matahotre an-dreo. Efa nomeko ho eo am-pela-tagnanao areo. Tsy hisy na raike amin-dreo hahasakagna ny fanafihanao."9Avy tampoka tamin-dreo teo i Josoa, laha nandeha nandritra ny aligna tontolo laha tagne Gilgala. 10Nasafotofoton'i Yaveh teo alohakan'Israely ny fahavalo, ka Israely namono an-dreo tamin'ny famonoana makadiry tao Gibeona ka nagnenjika an-dreo tamin'ny lalagna magnanika megnagne Beti-horona, ka areo namono an-dreo tegne an-dalagna megnagne Azeka sy Makeda.11Laha nilefa an'Israely areo, nijotso ny vohitre laha tagne Beti-horona, Yaveh nagnatily vato makadiry laha tegne amin'ny lagnitre teo ambonin-dreo tamin'ny lalagna abiaby megnagne Azeka, ka maty areo. Maro ny matin'ny havandra noho ny matin'ny sabatran'ny lelahin'Israely.12Ary Josoa nijaka tamin'i Yaveh tamin'ny andro nagnomejan'i Yaveh ny lelahin'Israely fandresena teo agnatrehan'ny Amorita. Ijao ny jakan'i Josoa tamin'i Yaveh teo alohakan'Israely: "Ry masoanadro, mijanògna ao Gibeona, ka ny volagna, ao amin'ny lohasaha Aialona."13Die nijanogna ny masoandro, ka nitsaha-nihetsika ny volagna mandra-pamalifatin'ny firenena ny fahavalony. Tsy vôsoratre ao agnaty Bokin'i Jasara ve ijay? Ny masoandro nijanogna teo agnivon'ny habakabaka; tsy nilentika efa ho indraike andro manontolo ijay. 14Tsy nisy andro hafa hôtran'ijay taloha na tafaran'io, laha nankatò ny feon'ny olo i Yaveh. Satria Yaveh die ho an'Israely.15Nimpody tagne an-toby tagne Gilgala i Josoa sy ny Israely abiaby niaraka tamin'aje. 16Ny mpanjaka dimy nilefa sady nagnavony ny tegnane tao agnaty lava-bato tao Makeda.17 Die nivorianina tamin'i Josoa ijay hoe: "Efa hita areo!- mivony ao agnaty lava-bato ao Makeda ny mpanjaka dimy!"18Hoy Josoa hoe: "Magnakodiava vato makadiry eo am-bavan'ilay lava-bato ka mametraha miaramila ao mba hiambigna an-dreo. 19Fa aja mijanogna anareo. Injeho ny fahavalonareo ka tafiho laha tao afara areo. Aja avela hiditra ny tanànany areo, satria Yaveh Andriamanitrareo efa nanolotra an-dreo ho eo an-tàgnanareo."20Josoa sy ny janak'Israely efa nandringagna an-dreo tamin'ny famonoana makadiry, mandra-paharipaka an-dreo tanteraka; areo ijay sisa velogna mandy no afaka milefa namonjy tanàna mimanda. 21Ka ny miaramila manontolo nipody am-pilaminana tagne amin'i Josoa tao an-toby tao Makeda. Tsy nisy na raike sahy nijaka jaka manohitra ny fokon'olon'Israely.22Ary Josoa nijaka hoe: "Vohay ny lava-bato ka indôsy mivôke laha tao etoy amin'ahe ny mpanjaka dimy." 23Die namboarin-dreo ijay nivorianine. Nindôsin-dreo laha tao an-dava-bato ho eo amin'ajy ny mpanjaka dimy- ny mpanjakan'i Jerosalema, ny mpanjakan'i Hebrona, ny mpanjakan'i Jarmota, ny mpanjakan'i Lakisy, ary ny mpanjakan'i Eglona.24Laha avin-dreo teo amin'i Josoa ny mpanjaka, die nangaika ny lelahin'Israely abiaby ijy. Nijaka tamin'ny mpifehy ny miaramila ijay niaraka tamin'aje tagne an'ady ijy hoe: "Apetraho eo amin'ny tendane ny hongotrao." Die nagnanike areo ka nametraka ny hongone teo amin'ny tendan'ireo. 25Ka hoy ijy tamin-dreo hoe: "Aja matahotre sady aja mivadi-po. Mahireja sy matanjaha. Ijao ny hatan'i Yaveh amin'ny fahavalonao abiaby ijay andihananao hiady."26Ary Josoa nandraha sady namono ny mpanjaka dimy. Naraviravine tamin'ny hajo dimy areo. Niraviravy teo amin'ny hajo areo mandra-pahaligna ny andro. 27Laha ny mody masoandro igne, die nagnome beko i Josoa, ka najotson-dreo laha teo amin'ny hajo ireo ka natiline tao agnatin'ny lava-bato ijay nivoniane. Nasian-dreo vato makadiry ny vavan'ilay lava-bato. Mbola ao io vato io mandraky niany.28Hôtran'ijay, ny nambaboan'i Josoa an'i Makeda tamin'ijay andro ijay, sy namonoane ny olo abiaby tao tamin'ny sabatre, agnisan'ijay ny mpanjakane. Naripakane tanteraka areo sy ny raha miaigna abiaby tao. Tsy nisy navelane ho velogna. Hôtran'ny natane tamin'ny mpanjakan'i Jeriko mandy ny natane tamin'ny mpanjakan'i Makeda.29Nienga laha tao Makeda ho agne Libna i Josoa sy ny Israely abiaby. Die niady tamin'i Libna ijy. 30Nomen'i Yaveh ho eo an-tagnan'Israely mandy koa ijay- hatamin'ny mpanjakane. Josoa nandraha ny raha abiaby tao tamin'ny sabatra. Tsy navelane niangagna tao. Hôtran'ny namboarane ny mpanjakan'i Jeriko mandy ny namboarane ny mpanjaka.31Ka nienga laha tao Libna ho agne Lakisy i Josoa sy ny Israely abiaby niaraka tamin'aje. Nitoby tao areo ka niady tamin'aje. 32Die nomen'i Yaveh teo an-tagnan'Israely i Lakisy. Tamin'ny andro faharoe ny nambaboan'i Josoa an'aje. Naripakane tamin'ny sabatra ny raha miaigna abiaby tao, hôtran'ny ny namboarane an'i Libna.33Ary Horama, mpanjakan'i Gazera, nagnanika mba hagnampy an'i Lakisy. Fa Josoa nandraha an'aje sy ny tafikane mandra-paha tsy niangagna koa na die raike aja.34Ary Josoa sy ny Israely abiaby niaraka tamin'aje nienga laha tao Lakisy ho agne Eglona. Nitoby tao sady niady tamin'aje areo, 35ka nambabo an'aje tamin'io andro io mandy. Nandraha an'aje tamin'ny sabatra areo sady nandripake tanteraka ny olo abiaby tao, hôtran'ny namboaran'i Josoa an'i Lakisy.36Ary nienga laha tao Eglona Josoa sy ny Israely abiaby ho agne Hebrona. Niady tamin'aje areo. 37Nambabo an'aje areo sady nandraha ny olo abiaby tao tamin'ny sabatra, agnisan'ijay ny mpanjaka sy ny jana-bohitre abiaby magnodidigna. Naripakan-dreo tanteraka ny raha miaigna abiaby tao, tsy nisy navela niangagna, hôtran'ny namboaran'i Josoa an'i Eglona. Naripakane tanteraka ijany, sy ny raha miaigna abiaby tamin'aje tao.38Die nimpody Josoa, sy ny tafik'Israely abiaby niaraka tamin'aje, ka negnagne Debira areo ka niady tamin'aje. 39Nambabo ijay sy ny mpanjakane ijy, ary ny jana-bohitra narivo abiaby. Nandraha an-dreo tamin'ny sabatra areo, ka nandripake tanteraka ny raha miaigna abiaby tamin'aje tao. Tsy nisy navelan'i Josoa hiangagna, hôtran'ny namboarane an'i Hebrona sy ny mpanjakane, sy hôtran'ny namboarane an'i Libna sy ny mpanjakane.40Josoa nandresy ny tany abiaby, ny tagnambogna, Negeva, ny tany ambany, ary ny fototr'havôna. Tsy nisy navelane hiangagna na die raike tamin'ny mpanjakane abiaby. Naripakane tanteraka ny raha miaigna abiaby, hôtran'ny efa nandidian'i Yaveh, Andriamanitr'Israely. 41Josoa nandraha an-dreo tamin'ny sabatra nanomboka tao Kadesy-barnea ka hatagne Gaza, sy ny tanànan'ny Gosena abiaby ka hatagne Gibeona.42Josoa nambabo indraike mandeha ny mpanjaka abiaby io sy ny tanine satria Yaveh, Andriamanitr'Israely, ny niady hôn'Israely. 43Ary Josoa, sy ny Israely abiaby niaraka tamin'aje, die nimpody tagne amin'ny toby tao Gilgala.
Chapter 11

1Laha regnin'i Jabina, mpanjakan'i Hazora ijay, die nandefa hafatra hôn'i Jobaba, mpanjakan'i Madona, sy ny mpanjakan'i Simrona, ary ny mpanjakan'i Aksafa ijy. 2Nalefane tagne amin'ny mpanjaka ijay agne amin'ny tagnambogna avaratre, sy tagne amin'ny lohasaha amin'ny reniranon'i Jordana agne atsimon'i Kinerota, sy tagne amin'ny tany lemaka, ary tagne amin'ny tagnambognan'i Dora mekandrefana mandy koa ny hafatra. 3Nandefa hafatra tagne amin'ny Kananita megnagne atsignanana sy andrefana, sy tagne amin'ny Amorita, ny Hetita, ny Perizita, ny Jebosita agne amin'ny tagnambogna, sy tagne amin'ny Hivita agne amin'ny Tampom-bohitra Hermona agne amin'ny tanin'i Mizpa mandy koa ijy.4Nivôke niaraka tamin-dreo aby ny tafikan-dreo abiaby, miaramila maro agn'isa, hôtran'ny fasika egne amoron-dranomasina. Nanagna sôvaly sy Kalesa maro agn'isa areo. 5Nifanepake tamin'ny ora vôtondro areo mpanjaka abiaby io, ka nitoby teo amin'ny ranon'i Meroma mba hiady amin'Israely.6Hoy Yaveh tamin'i Josoa hoe: "Aja matahotre eo amin'ny fagnatrehan-dreo, satria ampitso amin'ijao fotôgna ijao die manolotra an-dreo amin'Israely abiaby hôtran'ny olo maty Iaho. Hivonina ny sôvalin-dreo, sady hirôna ny kalesan-dreo." 7Die avy Josoa sy ny lelahy mpiady abiaby. Avy tampoke tagne amin'ny ranon'i Meroma areo, ka nanafika ny fahavalo.8Natolotr'i Yaveh teo an-tagnan'Israely ny fahavalo, ka nandraha an-dreo tamin'ny sabatra sady nagnenjika an-dreo tagne Sidona, Misrefota-maima, sy tagne amin'ny lohasahan'i Mizpa agne atsignanana areo. Namono an-dreo ijy mandra-paha tsy nisy na die raike aja sisa nivela. 9Natan'i Josoa tamin-dreo arak'ijay nivorianin'i Yaveh tamin'aje. Natane nitsinga ny sôvaly sady nirône ny kalesa.Nimpody i Josoa tamin'ijay fotôgna ijay ka nambabo an'i Hazora.ljjj and ghĺⁿ0pi.nu12Lefin'i Josoa aby ny tanànan'ny mpanjaka abiaby io. Nisamborine mandy koa ny mpanjakan-dreo abiaby ka nitsatohane tamin'ny sabatra. Naripakane tanteraka tamin'ny sabatra areo, araka ny nandidian'i Mosesy mpanompon'i Yaveh. 13Tsy nagnoro ny tanàna niorigna tegne amin'ny dongon-tany i Israely, hafa-tsy Hazora. Io mandy ny nirôn'i Josoa.14Nalain'ny tafik'Israely ny babo abiaby laha tamin'ireo tanàna ireo niaraka tamin'ny biby fiompy mba hôn-dreo. Nivonin-dreo tamin'ny sabatra ny janak'olombelogna abiaby mandra-pahafatin'ny abiaby. 15Tsy nisy raha managn'aigna navelan-dreo ho velogna. Araka ny nandidian'i Yaveh an'i Mosesy mpanompone, die hôtran'ijay koa, ny nandidian'i Mosesy an'i Josoa, ka namboarin'i Josoa ijay. Tsy nisy raha navelane tsy ho vita ijay abiaby nandidian'i Yaveh hamboarina.16Nalain'i Josoa ijay tany abiaby ijay, ny tagnambogna, Negeva iray manontolo, ny tanin'i Gosena iray manontolo, ny lemaka amoron-tsirake, lohasahan'ny Renirano Jordana, ny tagnambogn'Israely, ary ny tany marigna. 17Hatagne amin'ny tampom-bohitra Halaka marivon'i Edoma, sy negnavaratre lavitra hôtran'i Bala-gada tagne amin'ny lohasaha marivon'i Libanona ambanin'ny Tampom-bohitra Hermona, die nisamborin-dreo aby ny mpanjakan-dreo ka nivonine.18Efa ela Josoa ny niady tamin'ny mpanjaka abiaby. 19Tsy nisy tanàna nambôtre fihavagnana tamin'ny tafik'Israely ankôtran'ny Hivita ijay nonigna tagne Gibeona. Lefin'Israely aby ny tanàna sisa tavela an'ady. 20Satria Yaveh ny nagnamafy ny fon-dreo die niady nanohitra an'Israely areo, mba hahafahane manimba an-dreo tanteraka tsy misy indrafo, araka ny nandidiane an'i Mosesy.21Avy teo avy Josoa tamin'ijay fotôgna ijay ka nipotehine i Anakima. Natane tagne amin'ny tagnambogna, tagne Hebrona, Debira, Anaba, ary ny tagnambognan'i Joda abiaby ijay, sy tagne amin'ny tagnambognan'Israely abiaby. Nisimbain'i Josoa tanteraka areo sy ny tanàna. 22Tsy nisy Anakita tavela teo amin'ny tanin'Israely ankôtran'i Gaza, Gata, ary Asdoda.23Noho ijay die lefin'i Josoa aby ny tany iray manontolo, araka ny nivorianin'i Yaveh an'i Mosesy. Nomen'i Josoa ho lovan'Israely ijay, nitondroine hôn'ny foko kiraidraike. Avy teo ny tany nijanogna tamin'ny ady.
Chapter 12

1Ka ito ny mpanjakan'ny tany, ijay resin'ny lelahin'Israely. Nalain'ireo Israelita ny harenan'ny tany tagne amin'ny ilane atsignanan'i Jordana ijay hiboahan'ny masoandro, nanomboka teo amin'ny lohasahan-driaka Arnona hatamin'ny tampom-bohitra Hermona, ary ny Araba abiaby hatagne atsignanana. 2Sihona, mpanjakan'ny Amorita, die nipetraka tagne Hesbona. Nanjaka hatagne Aroera, ijay eo amin'ny sisign'ny Harambaton'i Arnona laha teo agnivon'ny lohasaha ijy, ka ny asasak'i Gileada mitsotsoroka hatagne amin'ny reniranon'i Jaboka agne amin'ny sisin-tanin'ny Amonita.3Nanjaka tamin'i Araba hatagne amin'ny ranomasin'i Kinerota koa i Sihona, hatagne atsignanana, hatagne amin'ny ranomasin'i Araba(Ranomasintsira) atsignanana, ny lalagna abiaby hatagne Beti-jesimota sy atsimo, am-bodin'ny Tampom-bohitra Pisga. 4Oga, mpanjakan'i Basana, raike amin'ny Refaïma sisa, die nonigna tao Astarta sy Edrehy. 5Nanjaka tamin'ny tampom-bohitr'i Hermona, Saleka, ary Basana abiaby, hatamin'ny faritanin'ny mponign'ny Gesorita sy ny Makatita ijy, ary asasak'i Gileada, hatamin'ny faritanin'i Sihona, mpanjakan'i Hesbona.6Nandresy an-dreo i Mosesy mpanompon'i Yaveh, sy ny fokon'olon'Israely, ka Mosesy mpanompon'i Yaveh, ny nagnome ny tany mba ho fanagnan'ny Robenita, sy Gadita, ary ny asasa-pokon'i Manase.7Ito ny mpanjakan'ny tany ijay resin'i Josoa sy ny fokon'olon'Israely tagne andrefagn'i Jordana, nanomboka tao Bala-gada ao amin'ny lohasaha marivon'i Libanona hatagne an-tampom-bohitre Halaka marivon'i Edoma. Nagnome tany hôn'ny fokon''Israely i Josoa mba ho fanagnan-dreo. 8Nomene an-dreo ny tagnambogna, ny tany marigna , ny Araba, ny morogn'ny tampom-bohitra, ny tany efitra, ary ny Negeva- die ny tanin'i Hetita, Amorita, Kananita, Perizita, Hivita, ary ny Jebosita.9Ny mpanjaka die ahitana ny mpanjakan'i Jeriko, ny mpanjakan'i Ay, ijay marivon'i Betela eo, 10ny mpanjakan'i Jerosalema, ny mpanjakan'i Enaima,11 ny mpanjakan'i Jarmota, ny mpanjakan'i Lakisy, 12ny mpanjakan'i Eglona, ny mpanjakan'i Gazera,13ny mpanjakan'i Debira, ny mpanjakan'i Gadera,14 ny mpanjakan'i Horma, ny mpanjakan'i Arada, 15ny mpanjakan'i Libna, ny mpanjakan'i Adolama, 16ny mpanjakan'i Makeda, ny mpanjakan'i Betela,17ny mpanjakan'i Tapoa, ny mpanjakan'i Hefera, 18ny mpanjakan'i Afeka, ny mpanjakan'i Lasarona, 19ny mpanjakan'i Madona, ny mpanjakan'i Hazora, 20ny mpanjakan'i Simrona-merona, ny mpanjakan'i Aksafa,21ny mpanjakan'i Tanaka, ny mpanjakan'i Megido, 22ny mpanjakan'i Kadesy, ny mpanjakan'i Jokneama, 23ny mpanjakan'i Dora, ny mpanjakan'i Goyema agne Gilgala, 24ary ny mpanjakan'i Tirza. Raike amby telopolo ny isan'ny mpanjaka abiaby.
Chapter 13

1Ka efa tena antitra tokôtre i Josoa laha nivoria tamin'aje i Yaveh hoe: "Tena antitra tokôtre anao, kanefa mbola rahabe ny tany ho baboina.2Itoy ny tany ijay mbola tavela: ny faritra abiaby ao amin'ny Filistina, ary ny abiaby agne Gesriana, 3(laha tagne Sikora, ijay agne atsignanan'i Egypta, sy avaratry ny morogn'ny Akarona, ijay eritreretina ho fanagnan'ny Kananita; ny mpanapaka dimin'ny Filistina, areo ijay agne Gaza, Azota, Askalona, Geta, ary Akarona- ny faritrin'ny Avita).4Agne atsimo, die mbola misy ny tanin'ny Kananita abiaby, sy Maàra ijay hôn'ny Sidoniana, agne Afeka, ny faritrin'ny Amorita; 5ny tanin'ny Gebalita, ny Libanona abiaby mananjo ny fiboahan'ny masoandro, hatagne Bala-Gada eo ambanin'ny tampom-bohitra Hermona ka hatagne Lebo Hamata.6Fa koja, ny olo abiaby agne amin'ny tagnambogna laha tagne Libanona manahaka i Mserofota-Maima, agnisan'ijay ny olo abiaby agne Sidona. Handrôka an-dreo alohakan'ny tafik'Israely. Alay antoka ny fagnomejana ny tany an'Israely ho lova raike, araka ny nandidiako anao. 7Jaray ijay tany ijay hôn'ny foko sivy sy hôn'ny asasaky ny fokon'i Manase.8Miaraka amin'ny asasaky ny fokon'i Manase, ny Reobenita sy ny Gadita die nandray ny lova ijay nomen'i Mosesy an-dreo tagne atsignanan'i Jordana, 9agne Aroera, ijay eo amorogn'ny reniranon'i Arnona (agnisan'ijay ny tanàna ijay eo agnivon'ny renirano), hôn'ny marigna abiaby agne Medeba ka hatagne Dibona;10ny tanàna abiaby agne Sihona, mpanjakan'ny Amorita, ijay manapaka agne Hesebona, hatagne amin'ny Amorita; 11Gileada, sy ny faritra agne Gesorita sy Makatita, ny tampom-bohitr'i Hermona, ny Basana abiaby hatagne Salekà; ny 12fanjakana abiabin'i Oga agne Basana, ijay nanjaka tagne Astarta sy Edrehy- io ny sisa nivela tamin'i Refaita- Namono an-dreo i Mosesy ka nandrôke an-dreo.13Fa ny olon'Israely die tsy nandrôke ny Gesorita na Makatita. Fa Koja, Gesora sy Makata die nonigna teo amin'ny Israely tamin'ijay andro ijay.14Tamin'ny fokon'i Levy rerike ny tsy nagnomejan'i Mosesy lova. Ny fagnatitr'i Yaveh, ilay Andriamanitr'Israely, vita tamin'ny afo, sy ny lovan-dreo, araka ny nivorianin'Andriamanitra an'i Mosesy.15Mosesy nagnome lova tamin'ny fokon'i Robena, isam-poko. 16Ny faritran-dreo die laha tagne amin'i Aroera, agne amorogn'ny Reniranon'i Arnona, ary ny tanàna ijay eo agnivon'ny lohasaha, sy agne amin'ny marigna marivon'i Medeba.17Nandray an'i Robena mandy koa i Hesbona sy ny tanàna abiaby ijay agne amin'ny Dibona, sy Bamota-Bala, ary Beti-Meona, 18Jahaza, Kedemota, sy Mefata, 19sy Karia-taima, sy Sibama, ary Zareta-sahara egne an-tampo-kavôna.20Nandray an'i Beti-peora mandy koa i Robena, ny hantan'i Pisga, Beti-jesimota, 21sy ny tanànan'ny lemaka, ary ny fanjakan'i Sihona mpanjakan'ny Amorita, ijay nanjaka tagne Hesbona, ijay niresen'i Mosesy niaraka tamin'ny mpitarika Madiana, Evi, Rekema, Sora, Hora, sy Reba, ilay andrian'ny Sihona, ijay nonigna tao amin'ny tany.22Ny fokon'olon'Israely mandy koa die namono tamin'ny sabatra an'i Balama janaka lahin'i Beora, ijay nambôtra sikidy, tamin'ny sisa tamin-dreo ijay nivonina. 23Ny onin'i Jordana ny morogn'ny fokon'i Robena; ijay ny moron-tanin-dreo. Ijay ny lovan'ny fokon'i Robena, nomena tamin'ny isam-pokon'ny kiraidraike, niaraka tamin'ny tanànan-dreo sy ny vohitre.24Ijay ny nomen'i Mosesy tamin'ny fokon'i Gada, isam-poko:25 ny faritran-dReo die Jareza, Ny tanànan'i Gileada abiaby ary ny asasaky ny tanin'ny Amorita, Aroera, ijay atsignanan'i Rabà,26 agne Hesbona ka hatagne amin'i Ramata-mizpa sy Betonima, agne Mahanaima agne amin'ny faritr'i Debira.27ny amin'ny lohasaha, Mosesy die nagnome an'i Beti-harama, Beti-nimra, Sokota, Zafona, ny sisa tamin'ny fanjakan'i Sihona mpanjakan'i Hesbona, miaraka amin'i Jordana ho morogne, hatagne amin'ny faran'ny ranomasin'i Kinereta, atsignanan'ny an-dafin'i Jordana. 28Ijay ny lovan'ny fokon'i Gada, isam-poko, miaraka amin'ny tanàna sy ny vohitre.29Mosesy nagnome lova tamin'ny asasaky ny fokon'i Manase. Ijay die nitondroina tamin'ny asasaky ny fokon'ny olon'i Manase, araka ny fokon-dreo.30 Laha tagne Mahanaima ny faritran-dreo, i Basana abiaby, fanjakan'i Oga mpanjakan'i Basana abiaby, sy ny tanànan'i Jaira abiaby, ijay tagne Basana, tanàna enim-polo; 31asasak'i Gileada, sy Astarta ary Edrehy(ny tanànan'ny mpanjakan'i Oga agne Basana). Io ny vôtondro tamin'ny fokon'i Makira janaka lahin'i Manase- asasaky ny olon'i Makira, ijay nomena ny kiraidraike amin'ny havane.32Ijay ny lova ijay nitondroin'i Mosesy an-dreo teo amin'ny marign'i Moaba, agne agnilan'ny Jordana atsignanan'ny Jeriko. 33Mosesy die tsy nagnome lova ny fokon'ny Levy. Fa Yaveh, Ny Andriamanitr'Israely, ny lovan-dreo, araka ijay nivorianine tamin-dreo.
Chapter 14

1Ito aby ary ny faritry ny tany ijay niresin'ny fokon'olon'Israely ho lovan-dreo tagne amin'ny tany Kanàna, nitondroina hôn-dreo tamin'i Eleazara mpisorogna, tamin'i Josoa janak'i Nona, ary tamin'ny mpitari-pokon'ny havan'ny rajan-dreo niaraka amin'ny fokon'olon'Israely.2Ny lovan-dreo die vôfantigna tamin'ny loka hôn'ny sivy sy ny asasakin'ny foko, araka ny nandidian'i Yaveh tamin'ny tagnan'i Mosesy. 3Fa efa nomen'i Mosesy lova ny amin'ny roe sy asasakin'ny foko tagne agnilan'i Jordana, kanefa ijy tsy nagnome lova ny Levita. 4Fa laha ny marina die foko roe ny fokon'i Josefa, die Manase sy Efraima. Tsy nomene anjara lova tagne amin'ny tany ny Levita, fa tagne amin'ny tanàna saragne mandy mba hipitrahana, ambàn'ny tanin'ahitre hôn'ny biby fiompy sy ny fitôvam-pamokaran-dreo. 5Die nambôtre araka ny nandidian'i Yaveh an'i Mosesy ny fokon'olon'Israely, ka nitondroin-dreo ny tany.6Die avy tagne amin'i Josoa tagne amin'ny Gilgala ny fokon'ny Joda. Kaleba janak'i Jefona Kenizita, nivoria tamin'aje hoe: "Fantatrao ijay nivorianin'i Yaveh an'i Mosesy ilay lelahin'Andriamanitra mikasika an'ahe sy anao tagne Kadesi-barnea. 7Efa-polo taogna iaho laha nampengain'i Mosesy mpanompon'i Yaveh laha tagne Kadesi-barnea mba hisafo ny tany. Nitateriko tamin'aje indraike ny tatitra mba hatao araka ny tian'ny foko hamboarina.8Fa ny rahalahiko ijay nienga nagnanike niaraka tamin'ahe nampalemy ny fon'ny fokon'olone tamin'ny tahotra. Nefa narahiko tanteraka Yaveh Andriamanitro.9 Nifanta i Mosesy tamin'ijay andro ijay, ka nagnano hoe: 'Ajo antoke fa ny tany ijay nomban'ny hongotrao die ho lova ho anao sy ny janakao mandrakijay, satria nagnaraka tanteraka an'i Yaveh Andriamanitraro anao,'10Ka, indro! Yaveh nitagna an'ahe ho velogna nandritra ijay dimy amby efapolo taogna ijay araka ny nivorianine- tamin'ny fotôgna ijay nivorianin'i Yaveh ijay jaka ijay tamin'i Mosesy, nandritra ny nandihanan'Israely tagne agn'efitre. Ka, ito! Dimy amby valopolo taogna iaho amin'ijao andro ijao.11 Mbola matanjaka mandy iaho amin'ijao andro ijao hôtran'ny tamin'ny andro nandroahan'i Mosesy an'ahy. Ny tanjako amin'ijao die hôtran'ny tamin'ijay, tamin'ny ady sy tamin'ny nienga sy nimpody.12Ka noho ijany die omeo an'ahe itoy tagnambogna itoy, ijay nampagnantenain'i Yaveh an'ahe tamin'ijay andro ijay. Satria regninao tamin'ijay andro ijay i Anakita tagne amin'ny tanàna mimanda makadiry. Mety hiaraka amin'ahe Yaveh mba hahafahako mandrôka an-dreo, araka ny nivorianin'i Yaveh."13Avy teo die nitso-drano an'aje i Josoa ka nagnome an'i Hebrona ho lovan'i Kaleba janak'i Jefona. 14Noho ijany die nanjary mpandova an'i Kaleba janaka lahin'i Jefona ilay Kenizita i Hebrona mandrak'androany, satria nagnaraka an'i Yaveh tokôtre ijy, ny Andriamanitr'Israely. 15Ary die Kiriata ny agnaran'i Hebrona talohake. (Arba ny lelahy makadiry indrindra eo amin'i Anakita.) Die nijanogna tamin'ny ady ny tany.
Chapter 15

1Ny anjara tanin'ny fokon'ny vahôkan'i Jod, nomena ny fokon-dreo, die nivelatre negatsimo negnagne amin'ny moron-tanin'i Edoma, niaraka tamin'ny efitr'i Sinay ijay fefy lavitra indrindra agne atsimo. 2Ny moron-tanin-dreo agne atsimo die nanomboka teo amin'ny faran'ny Ranomasin-tsira, ka hatagne amin'ny helo-drano ijay magnatrika ny atsimo.3Ny moron-tanin-dreo magnaraka die nivôke tao atsimon'ny tagnambognan'i Akrabima ka nagnaraka an'i Sina, sy nagnanika atsimon'i Kadesy Barnea, magnaraka an'i Hezrona, ka magnanika an'i Adara, eo amin'ijay ivilian'ijay megnagne Karka.4 Nagnaraka an'i Azmona, nahajo ny lohasahan-driakan'i Egypta, ka nefara tagne an-dranomasina ijay. Ijay ny faritanin-dreo atsimo.5Ny moron-tany atsignanana die ny Ranomasin-tsira, eo ambavan'i Jordana. Ny faritany agne avaratra die laha teo amin'ny lohasahan-driakan'ny ranomasina ka hateo am-bavan'i Jordana. 6Nagnanika tao Beti-hogla ka nagnaraka ny avaratr'i Bet-araba ijay. Avy teo ijay die nagnanike negnane amin'ny Vaton'i Bohana janaka lahin'i Robena.7Ka ny faritany die nagnanika tagne Debira hatagne amin'ny Lohasahan'i Akora, ka negnavaratre, nihodigna nagnaraka an'i Gilgala, ijay tanjon'ny tagnambognan'i Adomina, ijay agne amin'ny lafy avaratry ny lohasaha. Avy teo ny faritany nagnaraka ny loharanon'i Ensemesy ka nienga tagne En-rogela. 8Die nagnanika ny lohasahan'i Beni-Hinoma ka hatagne amin'ny lafy atsimon'ny Jebosita (ijay, i Jerosalema) ny faritany. Die nagnanika hatagne amin'ny tampon'ny tagnambogna ijay manarogna ny lohasahan'i Hinoma, agne avaratra, ijay ao amin'ny farany avaratry ny lohasahan'i Refaita ijay.9Ka ny faritany nivelatre hateo amin'ny tampon'ny tagnambogna ka hatagne amin'ny loharanon'i Neftoa, ka nivôke laha teo ka hatagne amin'ny tanàna tao an-tampom-bohitre Efrona. Ary ny faritany die nagnodidigna an'i Bala (manahaka an'i Kiriata-jearima).10 Ka ny faritany magnodidigna ny atsignanan'i Bala hatagne amin'ny Tagnambogna Seira, ka nagnaraka ny lafin'ny Tagnambogna Jearima agne avaratra (manahaka an'i Kesalona), nijotso hatagne Beti-semesy, ka nanapaka ny Timna.11Nivôke akekin'ny avaratry ny tagnambogna Ekrona ny faritany, ka die nagnodidigna an'i Sikerona sady nagnaraka ny Tampom-bohitre Bala ijay, avy teo die negnagne Jabniela ijay. Nifaragna tao an-dranomasina ny faritany. 12Ny moron-tany andrefana die ny Ranomasina Makadiry sy ny morogne. Io ny faritany magnodidigna ny fokon'i Joda, isam-poko.13Amin'ny fitandreman'i Josoa ny didin'i Yaveh, die nagnome an'i Kaleba janaka lahin'i Jefona anjara amin'ny tany eo amin'ny fokon'i Joda, Kiriata Arba, ijay, Hebrona (Arba die iaban'i Anàka) i Josoa. 14Nandrôka ny janak'i Anàka telo lahy tao i Kaleba: Sesay, Ahimana, ary Talmay, ny taranak'i Anàka. 15Nagnanika laha teo ijy hanohitra ny mponign'i Debira(Debira die nangehina hoe Kiriata-sefera talohake).16Hoy Kaleba hoe: "Ny olo ijay nanafika an'i Kiriata-sefera sady mahajo an'ijay, die hôn'aje ny hagnomejako an'i Aksa janako viave ho sakeja." 17Ka Otniela janaka lahin'i Kenaza, rahalahin'i Kaleba, laha nahajo an'ijay, die nomen'i Kaleba an'aje ho sakejane i Aksa janagne viave.18Fotôgna fohy tafaran'ijay, die negnagne amin'i Otniela i Aksa ka narisikane hangataka harenana tagne amin'iabane ijy. Laha nijotso tamin'ny borikine ijy, die hoy Kaleba tamin'aje hoe: "Ino ny ilainao?"19Namaly Aksa hoe: Mamboàra raha miavaka hôn'ahe, satria efa nagnome an'ahe ny tany Negeva anao: die omeo an'ahe koa ny loharano saragne." Die nomen'i Kaleba an'aje ny loharano ambony sy ny loharano ambany.20Ijay ny lovan'ny fokon'i Joda, nomena ny fokone.21Ny tanàna ijay an'ny fokon'i Joda agne amin'ny farane atsimo, amin'ny faritanin'i Edoma, die Kabzela, Edera, Jagora, 22Kina, Dimona, Adada, 23Kadesy, Hazora, Itnana, 24Zifa, Talema, Bealota.25Hazora-hadata, Keriota-hezrona(io mandy koa die fantatra tamin'ny hoe Hazora), 26Amama, Sema, Molada,27 Hazara-gada, Hesmona, Beti-paleta, 28Hazara-soala, Beri-sheba, Biziota.29Bala, le, Azema, 30Eltolada, Kesila, Horma, 31Ziklaga, Madmana, Sansana, 32Lebaota, Silima, Aina, ary Rimona. Io ny tanàna sivy amby rôpolo ny fikambarane, miaraka amin'ny vohitra keliny.33Tao amin'ny tagnambogna ambany indrindra agne andrefana, die nisy an'i Estaola, Zora, Asna, 34Zanoa, En-ganima, Tapoa, Anama, 35Jarmota, Soko, Azeka, 36Saraima, Aditaima, ary Gadera (ijay, Gederotaima). Efatra ambin'ny folo isa io tanàna io, miaraka amin'ny vohitra keliny.37Zenana, Hadasa, Migdala-gada,38 Dilana, Mizpa, Joktela, 39Lakisy, Bozkata, Eglona.40Kabona, Lamasa, Kitilisa, 41Gederota, Beti-dagona, Nama, Makeda. Enina ambin'ny folo ny isan'io tanàna io, miaraka amin'ny vohitra keliny.42Libna, Atera, Asana, 43Jifta, Asna, Neziba, 44Kila, Akziba, Maresa. Tanàna sivy ireo, miaraka amin'ny vohitra keliny.45Ekrona, miaraka amin'ny tanàna sy ny jana-bohitre magnodidigna an'ijay; 46laha teo Ekrona ka hatagne amin'ny Ranomasina Makadiry, ny fipitrahana abiaby ijay marivo an'i Asdoda, miaraka amin'ny vohitra keliny. 47Asdoda, ny tanàna sy ny jana-bohitre magnodidigna an'ijay; Gaza, ny tanàna sy ny jana-bohitre magnodidigna an'ijay; hatagne amin'ny lohasahan-driak'i Egypta, ka hatagne amin'ny Ranomasina Makadiry miaraka amin'ny morontsirak'ijay.48Ao amin'ny tagnambogna, Samira, Jatira, Soko, 49Dana, Kiriata-sana (ijay, Debira), 50Anaba, Estemo, Anima, 51Gosena, Holona, ary Gilo. Raike ambin'ny folo io tanàna io, miaraka amin'ny vohitra keliny.52Araba, Doma, Esana, 53Janoma, Beti-tapoa, Afeka, 54Honta, Kiriata-arba (ijy, Hebrona), ary Ziora. Sivy io tanàna io, miaraka amin'ny vohitra keliny.55Maona, Karmela, Zifa, Jota, 56Jezirela, Jokdeama, Zanoa, 57Kaina, Gibea, Timna. Folo io tanàna io, miaraka amin'ny vohitra keliny.58Helola, Beti-zora, Gedora, 59Marata, Bet-anota, ary Elketona. Enina io tanàna io, miaraka amin'ny vohitra keliny.60Kiriata-bala (ijay, Kiriata-jearima), ary Raba. Roe io tanàna io, miaraka amin'ny vohitra keliny. 61Agn'efitre ao, die misy an'i Bet-araba, Midina, Sekaka, 62Nisbana, ny Tanànantsira, ary En-jedy. Enina io tanàna io, miaraka amin'ny vohitra keliny.63Fa ny Jebosita, ny mponign'i Jerosalema, ny fokon'i Joda die tsy afaka nandrôke an-dreo, ka die nitoboke tao niaraka tamin'ny fokon'i Joda mandrak'androany ny Jebosita.
Chapter 16

1Ny jara-tanin'i Josefa die nivelatra nanomboka tagne Jordana ka hatagne agne Jeriko, atsignanan'ny loharanon'i Jeriko, megnagne agn'efitre, nagnanika laha tao Jeriko hatagne amin'ny tagnambognan'i Betela. 2Avy teo ijay die negnagne Betela ka hatagne Lozy ka namakivaky hatagne Atarota, ny fari-tan'ny Arkita.3Die nijotso nekandrefana nahajo ny faritan'ny Jafletita ijay hatagne amin'ny faritany ambanin'ny Bedhorona, ka avy teo negnagne Gazera; die nifaragna tagne amin'ny ranomasina. 4Ijay ny fomba najahoan'ny fokon'i Josefa, Manase sy Efraima ny lovan-dreo.5Ny faritanin'ny fokon'i Efraima ijay nitondroina hôn'ny fokon-dreo die hôtran'ijao magnaraka ijao: ny faritanin'ny lovan-dreo agne atsignanana die nenga an'ny Atarot-adara negnagne Beti-horona ambony, 6ka nitohy hatagne an-dranomasina ijay. Avy agne Mikmeta avaratra ijay no nivily negnatsignanana negnagne Tanata-silo ka nahajo ny morogn'ijay agne atsignanana hatagne Janoha. 7Die nijotso laha tagne Janoha nahajo an'i Atarota sy Narata ijay, ka avy eo nahatratra an'i Jeriko, ka nifaragna tagne Jordana.8Avy ao Tapoa ny faritany die nijotra nekandrefagna hômin'ny lohasahan'i Kana ka nefara tagne an-dranomasina. Ijay ny lovan'ny fokon'i Efraima, vôtondro hôn'ny fianakaviamben-dreo, 9niaraka tamin'ny tanàna ijay nisafidina hôn'ny fokon'i Efraima miaraka amin'ny lovan'ny fokon'i Manase_ ny tanàna abiaby, miaraka amin'ny vohitran-dreo.10Tsy nandrôke ny Kananita ijay nonigna tagne Gazera areo, ka miaigna miaraka amin'i Efraima mandrak'androany ny Kananita, kanefa nampamboarina asa an-terivojogna ireo fokon'olo ireo.
Chapter 17

1Itoy ny jara-tanin'ny fokon'i Manase (ijay lahimatoan'i Josefa)_ ijany hoe, hôn'i Makira, ijay lahimatoan'i Manase sy ny tegnane ijay iaban'i Gileada. Ny tanain'i Gileada sy Basana die nitondroina hôn'ny taranak'i Makira, satria Makira die lelahin'ady. 2Ny tany die nitondroina hôn'ny ambin'ny fokon'i Manase, nomena ny fokon-dreo- die i Abi-ezera, Heleka, Asriela, Sekema, Hefera, ary Semida. Io ny taranaka lahin'i Manase janaka lahin'i Josefa, natolotrin'ny fokon-dreo.3Ka Tselofehada janaka lahin'i Hefera janak'i Gileada janak'i Makira janak'i Manase die tsy nanagn'anaka lahy, fa janaka viave fotsine mandy. Ito aby ny agnaran'ny janagne viave: Mahala, Noha, Hogla, Milka, ary Tiriza. 4Nagnantogna an'i Eleazara ilay mpisorogna, Josoa janaka lahin'i Nona, sy ny loholona areo, ka hoy areo hoe: "'Yaveh ny nadidy an'i Mosesy hagnome antsena lova miaraka amin'ny rahalahintsena." Noho ijany, ny fagnarahana ny didin'i Yaveh, ny nagnomejane lova hôn'ireo viave ireo teo amin'ny rahalahin'iaban-dreo.5Ny tsinjaran-tany folo tao Gileada sy Basana die nitondroina hôn'i Manase, ijay egne agnilan'i Jordana, 6satria ny janaka viavin'ny Manase die nandray lova niaraka tamin'ny janagne lelahy. Ny tanin'i Gileada die nitondroina hôn'ny ambin'ny folon'i Manase.7Ny faritanin'i Manase die avy hatagne Asera ka hatagne Mikmetata, ijay agne atsignanan'i Sekema. Ka ny sisin-tany die nienga negnatsimo negnagne amin'ireo ijay mitoboke marivon'ny faritanin'i Topoa. 8(Ny tanin'i Topoa die an'i Manase, kanefa ny tanàn-dehiben'i Topoa eo amin'ny moron-tanin'i Manase koja die an'ny fokon'i Efraima.)9Ny faritany die mijotso megnagne amin'ny lohasahan-driak'i Kana. Ny tanàna atsimon'ny lohasahan-driaka eo amin'ny tanàn-dehiben'i Manase die an'i Efraima. Ny faritanin'i Manase die agne avaratry ny lohasahan-driaka, ka mifaragna agne amin'ny ranomasina. 10Ny tany agne atsimo die an'i Efraima, ka ny tany avaratra agne die an'i Manase; ny ranomasina ny faritany. Agne amin'ny morogne avaratr'i Asera, ka hatagne amin'ny atsignanana, die i Isakara.11Agne Isakara sy agne Asera mandy koa, Manase die nanagna an'i Beti-sana sy ny tanànane, Ibleama sy ny tanànane, ny mponign'i Dora sy ny tanànane, ny mponign'i En-dora sy ny tanànane, ny mponign'i Tanaka sy ny tanànane, ary ny mponign'i Megido sy ny tanànane ( ka ny tanàna fahatelo die i Naftea). 12Mbola tsy afaka mangala ho fanagnana an'io tanàna io ny fokon'i Manase, satria ny Kananita die mbola mipetraka ao amin'io tanàna io.13Laha niha-natanjaka ny fokon'olon'Israely, die nitiren-dreo hiasa ny Kananita, fa tsy niresine tanteraka.14Avy eo ny taranak'i Josefa nijaka tamin'i Josoa, nagnano hoe: "Ngnino no asan'ny tany raike mandy ny nomenao hônay ka tsinjara raike amin'ny lova, kanefa fokon'olo maro agn'isa ahay, sady efa nitahin'i Yaveh ahay abiaby? 15Hoy Josoa tamin-dreo: "Laha fokon'olo maro agn'isa anareo, die magnaniha agne agnaty ala ny tegnanareo ka tapahy ny hajo ao amin'ny tanin'i Perizita sy Refaita agne. Amboary ijay, satria ny tagnambognan'ny firenen'i Efraima die kitike hônareo."16Hoy ny taranak'i Josefa: "Tsy ampy anay ny tagnambogna. Fa ny Kananita ijay mipetraka agne amin'ny lohasaha die managna kalesa vy, areo agne amin'ny Beti-sana sy ny tanànane, ary areo ijay agne amin'ny lohasahan'i Jezirela. 17Ka hoy Josoa tamin'ny ankohonan'i Josefa- tamin'i Efraima sy Manase: "Fokon'olo maro agn'isa anareo, sady managna hery maventy. Tsy tokone jara-tany raike mandy ny nitondroina hônareo.18 Ny tagnambogna mandy koa die hônareo. Na ny alan'ijay, die hitapahinareo ka atôvy fanagnana hatagne amin'ny morogne lavitra indrindra ijay. Hamôka ny Kananita anareo, na die managna kalesa vy aja areo, na die matanjaka aja areo."
Chapter 18

1ie niara-nivory tao Silo ny fengonan'ny fokon'olon'Israely manontolo. Tao ny namorognan-dreo ny lay fihôgnana sady nandresen-dreo ny tany talohakan-dreo. 2Mbola nisy fito ny foko teo amin'ny fokon'olon'Israely ijay tsy nitondroina ny lovany.3Die hoy Josoa tamin'ny fokon'olon'Israely hoe: "Mandra-pahoviena ny mbola hihemoranareo tsy hienga ao amin'ny tany ijay nomen'i Yaveh, Andriamanitrin'ny rajagnareo, anareo? 4Manondroa telo lahy hônareo isaky ny foko kiraidraike, ka iaho koja hagniraka an-dreo. Die hienga sady hitety tany ambony sy ambany areo. Die hanoratra ny famaritana ijay areo araka ijay tiane hilovaine. ka himpody amin'ahe atoy areo avy teo.5Die hijarain-dreo ho faritra fito ijany. Joda hijanogna agne amin'ny faritanine agne atsimo, ka ny ankohonan'i Josefa hanohy ny faritanin-dreo agne avaratra.6 Faritra fito ny hamaritanareo ny tany ka ampodio amin'ahe eto ny famaritana. Die hambôtre an-tsapaka hônareo iaho eto agnatrehan'i Yaveh Andriamanitrantsena.7Ny Levita die managna anjara eo aminareo, fa ny fisorognana hôn'i Yaveh ny lovan-dreo. Gada, Robena, ary ny asasa-pokon'i Manase die nahajo ny lovan-dreo ijay nomen'i Mosesy mpanompon'i Yaveh an-dreo."8Die nifoha ny lelahy ka nienga. Die nididin'i Josoa areo ijay nienga namaritra ny tany, nagnano hoe: "Mandihàna mitety ny tany ka farito ijay die mimpodiàna amin'ahe eto. Die hambôtre antsapaka hônareo eto agnatrehan'i Yaveh aty Silo iaho." 9Die nenga ny lelahy ka nitety ny tany ambony sy ambany ka namaritra an'ijay tagnaty horognan-taratasy araka ny tanànane agnaty faritra fito, handaharana ny tanàna isaky ny faritra kiraidraike. Die nimpody tao amin'i Josoa tao an-toby tao Silo areo avy teo.10Die nambôtre ankitsapake hôn-dreo tao Silo teo agnatrehan'i Yaveh i Josoa. Tao ny nanondroan'i Josoa ny tany hôn'ny fokon'olon'Israely, ka ny kiraidraike die samby nomene ny anjara taniny aby.11Ny fanondrôna ny tany hôn'ny fokon'i Benjamina die nomena isam-pokon-dreo kiraidraike. Ny faritanin'ny tany ijay vôtondro hôn-dreo die vôfaritra teo agnelagnelagn'ny taranak'i Joda sy ny taranak'i Josefa. 12Tagne amin'ny ilane avaratra, tagne Jordana ny netombohan'ny faritanin-dreo. Ny faritany die nagnanika hatagne amin'ny ilane avaratr'i Jeriko, ka avy eo nagnanika nanavasava ny tagnambogna andrefana. Hateo ijay die nanjohy ny efitr'i Betavena.13Hateo die nomba negnatsimo nijotra negnagne Lozy (Betela ijany) ny faritany. Laha teo nijotso hatagne amin'i Atarot-adara ny faritany, ao amin'ny tampom-bohitra ijay mandia ny atsimon'i Beti-horona. 14Nijotra nagnaraka lalàn-kafa ny sisin-tany noho ijay: agne amin'ny ilane andrefana ijay no mivily megnatsimo, die mitodi-doha amin'ny tampom-bohitra agnilan'i Beti-horona. Io sisin-tany die mifaragna agne Kiriata-bala (Kiriata-jearima ijay), tanàna raike ijay an'ny fokon'i Joda. Ijay ny nanjary faritany tagne amin'ny faritra andrefana.15Nanomboka teo avelan'i Kiriata-jearima ny lafine atsimo. Nienga teo ny faritany die nanjohy an'i Efrona, hatagne amin'ny loharanon'i Neftoa.16 Ny sisin-tany noho ijay die nijotso nanjohy ny magnodidigna ny tampom-bohitre ijay tanjon'ny lohasahan'i Ben-hinoma, ijay tagne amin'ny morogne avaratry ny lohasahan'i Refaima. Die nijotso hatagne amin'ny lohasahan'i Hinoma ijay, atsimon'ny haragnan'ny Jebosita, ka nitohy nijotso hatagne En-Rogela.17Die nitodike negnavaratre ijay, nijotra negnamin'i En-semesy, ka avy teo die nivôke negnagne Gelilota ijay, ijay tanjon'ny fekaran'i Adomina. Ka nijotso hatagne amin'ny Vaton'i Bohana janaka lahin'i Robena ijay. 18Nandroso hatamin'ny ilane avaratr'i Beti-arabà ijay ka nijotso negnamin'i Arabà.19Die nandroso nanjohy ny ilane avaratr'i Beti-Hogla ny faritany. Nifaragna tagne amin'ny helo-drano avaratry ny ranomasin-tsira ijay, agne amin'ny morogne atsimon'i Jordana. Ijay ny sisin-tany tagne atsimo. 20Die nanjary faritanin'i Jordana ny ilane atsignanana. Ijay ny lovan'ny fokon'i Benjamina, ka nomena ny isam-pokon-dreo kiraidraike ijay, faritany isam-paritany, ny magnodidigna abiaby.21Ka ny tanànan'ny fokon'i Benjamina araka ny isam-pokon-dreo die Jeriko, 22Beti-hogla, Emeka Keziza, Beti-araba, Zemaraima, Betela,23 Avima, Para, Ofra,24 Kefara-hamony, Ofny, ary Geba. Roe ambin'ny folo io tanàna io, agnisan'ijay ny jana-bohitre.25Ao mandy koa ny tanànan'i Gibeona, Ramà, Berota,26 Mizpà, Kefirà, Mozà, 27Rekema, Irpela, Taralà, 28Zelà, Haelefa, Jebosita (Jerosalema ijay), Gibeà, ary Kiriata. Efatre ambin'ny folo io tanàna io, agnisan'ijay ny jana-bohitrane. Ijay ny lovan'i Benjamina hôn'ny fokon-dreo.
Chapter 19

1Ny ankitsapake faharoe die ajon'i Simeona ka nitondroina hôn'ny kiraidraike amin'ny fokone ijay. Ny lovan-dreo die teo agnivon'ny lova ijay an'ny fokon'i Joda.2Nanagna an'i Beri-sheba, Seba, Molada, 3Hazara-soala, Bala, Azema,4 Eltolada, Betola, ary Horma ho lovane areo.5Simeona mandy koa die nanagna an'i Ziklaga, Beti-markabota, Hazara-sosa, 6Beti-lebaota, ary Sarohena. Io ny tanàna telo ambin'ny folo miaraka amin'ny jana-bohitrane. 7Simeona mandy koa die nanagna an'i Aina, Rimona, Etera, ary Asana. Io ny tanàna efatre, miaraka amin'ny jana-bohitrane.8Io die niaraka tamin'ny jana-bohitre magnodidigna an'io tanàna io hatagne Bale-tabera (mitovy amin'i Rama tao Negeva). Ijay ny lovan'ny fokon'i Simeona, nomena ny fokone. 9Ny lovan'ny fokon'i Simeona die nagnomejana ny faritry ny Joda. Satria tena makadiry be hôn-dreo ny anjara-tany nitondroina hôn'ny fokon'i Joda, die nandray ny lovan-dreo tamin'ny agnivon'ny anjarane ny fokon'i Simeona.10Ny ankitsapake fahatelo die ajon'ny fokon'i Zebolona, ka nomena ny fokone ijay. Ny fairitry ny lovane die nanomboka tao Sarida. 11Ny faritanine nagnanika nekandrefana hatagne Marala ka nahajo an'i Dabeseta; die nivelatre hatagne amin'ny lohasahan-driaka ijay tanjon'ny Jokneama.12Hateo Sarida ny faritany die nihodigna megnatsignanana hatagne atsignanana ka hatamin'ny faritanin'i Rislota-tabara. 13Hateo die nandeha hatagne Daberata ka nagnanika hatagne Jafia ijay. Hateo die nomba ny atsignanana hatagne Gata-hefera ijay, ka hatagne Ita-kazina; avy teo nandroso hatagne Rimona ka nihodigna negnagne Nea.14Ny faritany nihodigna megnavaratre hatagne Hanatona ka nifaragna teo amin'ny lohasahan'i Jifta-ela. 15Tafiditra amin'io faritra io ny tanànan'i Katata, Nahalola, Simrona, Iadala, ary Betlehema. Die tanàna roe ambin'ny folo, miaraka amin'ny jana-bohitre. 16Ijay ny lovan'ny fokon'i Zebolona, ijay nomena an'ny fokone- ny tanàna, miaraka amin'ny jana-bohitrane.17Ny ankitsapake fahefatre die ajon'i Isakara, ka nomena ny fokone ijay. 18Ny faritanin-dreo die ahitana an'i Jezirela, Kesolota, Sonema, 19Hafraima, Siona, ary Anaharata.20Tafiditra amin'ijay mandy koa Rabita, Kisiona, Abeza, 21Rameta, Enganima, Enhada, Beti-pazera. 22Ny faritanine mandy koa die nahajo an'i Tabara. Sahazoma, sy Beti-semesy, ka nefara tao Jordana. Die tanàna enina ambin'ny folo, miaraka amin'ny Jana-bohitrane.23Ijay ny lovan'ny fokon'i Isakara, ka nomena ny fokone ijay- ny tanàna, miaraka amin'ny Jana-bohitrane.24Ny ankitsapake fahadimy die ajon'ny fokon'i Asera, ka nomena ny fokone. 25Tafiditra amin'ny faritanin-dreo i Helkata, Haly, Batena, Aksafa, 26Alameleka, Amada, ary Misala. Eo amin'ny sisin-tany andrefana ka nivelatre hatagne Karmela sy Sihora-libnata.27Die nihodigna megnatsignanana hatagne Beti-dagona ka nagnalavitra hatagne Zebolona ijay, ka die hatagne amin'ny lohasahan'i Jifta-ela, negnavaratre hatagne Bet-emeka sy Neiela. Die nitohy megnavaratre hatagne Kabola ijay. 28Die nandroso hatagne Ebrona, Rehoba, Hamona, ary Kana, ka hatagne Sidona Makadiry ijay.29Ny faritany nitodike hatagne Rama, ary die hatagne amin'ny tanàna mimandan'i Tyra. Ka ny faritany die nitodike tagne Hosa ka nifaragna teo amin'ny ranomasina, tao amin'ny fari-tanin'i Akziba, 30Oma, Afeka, ary Rehoba. Roe amby rôpolo io tanàna io, miaraka amin'ny jana-bohitrane.31Ijay ny lovan'ny fokon'i Asera, ka nomena ny fokone ijay- ny tanàna, miaraka amin'ny jana-bohitrane.32Ny ankitsapake fahenina die ajon'ny fokon'i Naftaly, ka nomene ny fokone ijay.33 Faritanin-dreo die hatagne Halefa, hatagne amin'ny terebintana tao Zananima, hatagne Adami-hanekeba sy Jabniela, hatagne Lakoma; ka nifaragna tao Jordana ijay. 34Ny faritany nihodigna negnatsignanana hatagne Aznota-tabara ka hatagne Hokoka; nahajo an'i Zebolona eo atsimo ijay, ka nahatratra an'i Asera ny tagne andrefana sy Joda ny tagne atsignanana tagne amin'ny reniranon'i Jordana.35Ny tanàna mimanda die Zidima, Zera, Hamata, Rakata, Kinereta,36 Adama, Rama, Hazora, 37Kadesy, Edrehy, ary En-hazora.38Nisy an'i Irona, Migdala, Horema, Bet-anata, ary Beti-semesy mandy koa. Io ny tanàna sivy ambin'ny folo, miaraka amin'ny jana-bohitrane. 39Ijay ny lovan'ny fokon'i Naftaly, ka nomena ny fokone ijay- ny tanàna, miaraka amin'ny jana-bohitrane.40Ny loka fahafito die ajon'ny fokon'i Dana, ka nomena ny fokone ijay. 41Tafiditra amin'ny fari-tanin'ijay lova ijay Zora, Estaola, Ira-semesy, 42Salabima, Aijalona, ary Itla.43Tafiditra agnatin'ijay koa Elona, Timna, Ekrona, 44Elteke, Gibetona, Baleta, 45Jehoda, Bene-beraka, Gat-rimona, 46Me-jarkona, ary Rakona miaraka amin'ny faritany agnilan'i Jopa.47Laha vôsitre tamin-dreo ny faritanin'ny fokon'i Dana, die nanafika an'i Lesema i Dana, niady nanohitra an'aje, ka nahababo an'aje. Nivonin-dreo tamin'ny sabatra ny olo abiaby, nangala an'ijay ho fanagnana, sady nipetraka tao. Nomen-dreo agnarana vaovao i Lemesa, nangaike an'ijay hoe Dana araka ny rajamben-dreo. 48Ijay ny lovan'ny fokon'i Dana, ka nomena ny fokone ijay- ny tanàna, miaraka amin'ny jana-bohitrane.49Laha nahefa ny fijarana ny tany ho lovan-dreo, die nagnome lova tamin-dreo ho an' i Josoa janaka lahin'i Nona ny vahôkan' Israely. 50Tamin'ny alalan'ny didin'i Yaveh ny nagnomejan-dreo an'aje ny tanàna ijay nangatahine, Timna-sera ao amin'ny tagnambognan'i Efraima. Nampodine namboarina ny tanàna ka nipetraka tao ijy.51Io ny lova ijay nitondroin'i Eleazara mpisorogna, Josoa janaka lahin'i Nona, ary ny mpitari-pokon'ny ankohonan'ny rajambene tao amin'ny vahôkan'Israely, vôtondro tamin'ny loka tao Silo, teo alohakan'i Yaveh, teo amin'ny fidirana megnao amin'ny lay fihôgnana. Ka die mahefa nanondro ny tany areo.
Chapter 20

1Ary Yaveh nijaka tamin'i Josoa hoe: 2"Mivoriana amin'ny vahôkan'Isrely, magnano hoe: "Tondroy ny tanàna felofana ijay nivorianiko anao tamin'ny tagnan'i Mosesy. 3Amboary ijay mba hahafahan'ijay namono olo tsy kinahy megnagne. Io tanàna io die ho toerana felofana amin'ny olo ijay mirembe hamaly faty ny ràn'ny olo ijay vôvono.4Hilefa agne amin'ny raike amin'io tanàna io ijy ka hitsangagna eo amin'ny fidiran'ny vavahadin'ny tanàna, ka hagnajava ny raha nahajo an'aje amin'ny loholon'io tanàna io. Avy teo die hiresin-dreo ao amin'ny tanàna ijy ka hagnome toerana hitobohana miaraka amin-dreo hôn'aje.5Laha misy raike amin-dreo miejaka mamaly faty ny ràn'ilay olo nivonina, die tsy hatolotrin'ny vahôke eo an-tanàna amin'ny manam-pahefana ny raike ijay nahafaty an'aje. Tsy tokone hagnano an'ijay areo satria nahafaty tsy kinahy ny mpiara-belogna tamin'aje ijy, sady tsy nanagna fankahalana tamin'aje ijy talohaka tagne.6 Tsy mentsy mijanogna ao amin'ijay tanàna ijay ijy mandra-pitsanganane eo agnatrehan'ny fengonana hitsaraina, mandra-pahafatin'ny raike ijay nanompo manahaka ny mpisorognabe tamin'ijay andro ijay. Ka ny raike ijay namono tsy kinahy an'ilay olo die afaka himpody agne an-tanànane sy ny tragnone, agne amin'ny tanàn-dehibe ijay nilefane.7Ka die nifidy an'i Kadesy ao Galilia tao amin'ny tagnambognan'i Naftaly, Sekema ao amin'ny tagnambognan'i Efraima, ary i Kiriat-arba (manahaka an'i Hebrona) ao amin'ny tagnambognan'i Jodia ny Israelita. 8Tagne agnilan'i Jordana atsignanan'i Jeriko,,die nifidy an'i Bezera tagne agn'efitre teo amin'ny tany marigna laha tamin'ny foko Robena; Ramota Gileada, laha tamin'ny fokon'i Gada; ary Golana ao Basana, laha tamin'ny fokon'i Manase areo.9Io tanàna io ny nifidina hôn'ny vahôkan'Israely abiaby sy hôn'ny vahiny mitoboke miaraka amin-dreo, mba hahafahan'ijay nahafaty olo tsy kinahy milefa agne amin-dreo am-pilaminana. Io olo io die tsy ho fatin'ilay raike ijay nagniry hamaly faty ny rà ijay nalatsake.
Chapter 21

1Ka ny lohane tamin'ny fokon'ny Levita nagnantogna an'i Eleazara mpisorogna, an'i Josoa janak'i Nona, sy ny mpitarika ny fianakaviam-ben'ny rajamben-dreo teo amin'ny vahôkan'Israely. 2Tao Silo tagne amin'ny tany Kanana die hoy areo tamin-dreo hoe: "Nandidy anareo tamin'ny tagnan'i Mosesy i Yaveh mba hagnome anay tanàna hitobohana, miaraka amin'ny tanin'ahitre hôn'ny biby fiompinay."3Nohon'ny bekon'i Yaveh, die natolotry ny vahôkan'Israely laha tamin'ny lovan-dreo ito tanàna magnaraka ito, miaraka amin'ny tanin'ahitran-dreo, hôn'ny Levita.4Ny ankitsapake teo amin'ny fokon'ny Kehatita die nagnome an'ijao vokatra ijao: Ny mpisorogna- ny taranak'i Arona ijay laha tamin'ny Levita _ die nahajo tanàna telo ambin'ny folo laha tamin'ny fokon'i Joda, laha tamin'ny fokon'i Simeona, ary laha tamin'ny fokon'i Benjamina. 5Ny sisa tamin'ny fokon'ny Kehatita die nahajo tanàna folo tamin'ny an-kitsapake laha tamin'ny isam-pianakavian'ny fokon'i Efraima, Dana, ary laha tamin'ny asasaky ny fokon'i Manase.6Avy teo ny taranaka laha tamin'i Gersona nomena, tamin'ny an-tsapaka, tanàna telo ambin'ny folo laha tamin'ny isam-pianakian'ny fokon'Isakara, Asera, Naftaly, ary ny asasaky ny fokon'i Manase agne Basana. 7Ny vahôke ijay taranaka laha tamin'i Merary koja die nahajo tanàna roe ambin'ny folo laha tamin'ny fokon'i Robena, Gada, ary Zebolona.8Noho ijany die nomen'ny vahôkan'Israely an'ireo Levita, tamin'ny ankitsapake, io tanàna io (miaraka amin'ny tanim-boline), araka ijay efa nandidian'i Yaveh tamin'ny tagnan'i Mosesy. 9Laha tamin'ny fokon'i Joda sy Simeona, die nanondro tany araka ito tanàna magnaraka ito areo, tognonina eto araka ny agnarana. 10Io tanàna io die nomena ny taranak'i Arona, ijay agnisan'ny fokon'ny Kehatita, ijay laha tamin'ny fokon'i Levy koja. Satria nitontogna tamin-dreo tao ny an-tsapake vôlohane.11Die nomen'ny Israelita an-dreo i Kiriat-arba (Arba no iaban'i Anaka), ny tanàna manahaka an'i Hesbona,ao amin'ny tagnambognan'i Joda, miaraka amin'ny tanin'ahitre magnodidigna an'ijay. 12Fa ny harenan'ny tanàna sy ny jana-bohitrane koja die efa nomena an'i Kaleba janak'i Jefona, mba ho fanagnane.13Ho an'ny taranak'i Arona mpisorogna die nomen-dreo miaraka amin'ny tanin'ahitrane Hebrona _ ijay tanàna raike filefan'ireo ijay namono olo tsy kinahy _ ary Libna miaraka amin'ny tanin'ahitrane, 14Jatira miaraka amin'ny tanin'ahitrane, ary Estemoa miaraka amin'ny tanin'ahitrane. 15Nomen-dreo koa Holona miaraka amin'ny tanin'ahitrane, Debira miaraka amin'ny tanin'ahitrane, 16Aina miaraka amin'ny tanin'ahitrane, Jota miaraka amin'ny tanin'ahitrane ary Beti-semesy miaraka amin'ny tanin'ahitrane. Sivy ny tanàna ijay ajo laha tamin'io foko roe io.17Laha tamin'ny fokon'i Benjamina ny najahôna an'i Gibeona miaraka amin'ny tanin'ahitrane, Geba miaraka amin'ny tanin'ahitrane, 18Anatota miaraka amin'ny tanin'ahitrane, ary Almona miaraka amin'ny tany magnodidigna an'aje_ tanàna efatre. 19Nyanàna ijay nomena ny mpisorogna loja, ny taranak'i Arona, die tanàna telo ambin'ny folo laha akambagna, ao agnisan'ijay ny tanin'ahitran-dreo.20Laha ny sisa amin'ny havan'i Kehata_ ny Levita ijay an'ny havan'i Kehata_ die nomena an-dreo tamin'ny an-tsapake ny tanàna laha tamin'ny fokon'i Efraima. 21Areo ny nagnomejana an'i Sekema miaraka amin'ny tanin'ahitrane tao amin'ny tagnambognan'i Efraima_ tanàna raike filefan'ireo ijay namono olo tsy kinahy _Gazera miaraka amin'ny tanin'ahitrane, 22Kibzaima miaraka amin'ny tanin'ahitrane, ary Beti-horona miaraka amin'ny tanin'ahitrane _ tanàna efatre ny fikambarane.23Laha tamin'ny fokon'i Dana, ny nagnomejana hôn'ny fokon'i Kehata an'i Elteke miaraka amin'ny tanin'ahitrane, 24Aialona miaraka amin'ny tanin'ahitrane, ary Gat-rimona miaraka amin'ny tanin'ahitrane_ tanàna efatre ny fikambarane.25Laha tamin'ny asasaky ny fokon'i Manase, ny nagnomejana hôn'ny fokon'i Kehata an'i Tanaka miaraka amin'ny tanin'ahitrane sy Gata-rimona miaraka amin'ny tanin'ahitrane _ tanàna roe. 26Tanàna folo laha akambaagna ny an'ireo fokon'i Kehatita sisa, agnisan'ijay ny tanin'ahitran-dreo.27Laha tamin'ny asasaky ny fokon'i Manase, hôn'ny fokon'ny Gersona, io die fokon'i Levita hafa koa, ka areo die nagnome an'i Golana tao Basana miaraka amin'ny tanin'ahitrane _ tanàna raike filefan'ijay nahafaty olo tsy kinahy, miaraka amin'i Bestera miaraka amin'ny tanin'ahitrane _ tanàna roe ny fikambarane.28Hôn'ny fokon'i Gersona die nomen-dreo laha tamin'ny fokon'i Isakara koa i Kisiona, miaraka amin'ny tanin'ahitrane, Daberata miaraka amin'ny tanin'ahitrane, 29Jarmona miaraka amin'ny tanin'ahitrane, ary Enganima miaraka amin'ny tanin'ahitrane _ tanàna efatre. 30Laha tamin'ny fokon'i Asera, die nomen-dreo Misala miaraka amin'ny tanin'ahitrane, Abdona miaraka amin'ny tanin'ahitrane, 31Helkata miaraka amin'ny tanin'ahitrane, ary Rehoba miaraka amin'ny tanin'ahitrane _ tanàna efatre ny fikambarane.32Laha tamin'ny fokon'i Naftaly, ny nagnomejan-dreo an'i Gersona Kadesy agne Galilia miaraka amin'ny tanin'ahitrane _ tanàna raike filefan'ijay nahafaty olo tsy kinahy; Hamotadora miaraka amin'ny tanin'ahitrane, ary Kartana miaraka amin'ny tanin'ahitrane _ tanàna telo ny fikambarane. 33Tanàna telo ambin'ny folo laha akambagna, laha tamin'ny fokon'i Gersona, miaraka amin'ny tanin'ahitrane.34Hôn'ny Levita sisa_ ny fokon'i Merary _ ny nagnomejana laha tamin'ny fokon'i Zebolona: an'i Jokneama miaraka amin'ny tanin'ahitrane, Karta miaraka amin'ny tanin'ahitrane, 35Dimnà miaraka amin'ny tanin'ahitrane, ary Nahaloa miaraka amin'ny tanin'ahitrane_ tanàna efatre ny fikambarane.36Ny fokon'i Merary die nahajo laha tamin'ny fokon'i Robena: die i Bezera miaraka amin'ny tanin'ahitrane, Jahaza miaraka amin'ny tanin'ahitrane, 37Kedemota miaraka amin'ny tanin'ahitrane, ary Mefata miaraka amin'ny tanin'ahitrane_ tanàna efatre. 38Ankôtry ny fokon'i Gada die nomena an-dreo Ramota agne Gileada miaraka amin'ny tanin'ahitrane _ tanàna raike filefan'ijay nahafaty olo tsy kinahy_ ary Mahanaima miaraka amin'ny tanin'ahitrane.39Ny fokon'i Merary die nahajo an'i Hesbona mandy koa miaraka amin'ny tanin'ahitrane, sy Jazera miaraka amin'ny tanin'ahitrane. Tanàna efatre io laha akambagna. 40Io abiaby io die tanànan'ny foko rahaben'i Merary, ijay laha tamin'ny fokon'i Levy _ tanàna roe ambin'ny folo laha akambagna ny nomena an-dreo tamin'ny antsapaka.41Ny tanànan'ireo Levita nalaina laha tao agnivon'ny tany ajon'ny vahôkan'Israely die tanàna valo amby efapolo, miaraka amin'ny tanin'ahitrane. 42Ny tanàna kiraidraike io die samby managna ny tanin'ahitrane magnodidigna an'aje. Die hôtran'ijay ny tanàna abiaby io.43Noho ijany die nomen'i Yaveh an'Israely ny tany abiaby ijay nifantany homena ny rajagne. Die nandova an'ijay ny Israelita ka nonigna tao. 44Die nomen'i Yaveh fitsaharana amin'ny magnodidigna abiaby areo, araka ijay nifantany tamin'ny rajagne. Na die raike tamin'ny fahavalone aja die tsy nisy afaka naharesy an-dreo. Die natolotr'i Yaveh teo am-pelatagnan-dreo ny fahavalony abiaby. 45Na die raike tamin'io teny fampagnantenana tsara ijay nivorianin'i Yaveh tamin'ny taranak'Israely aja die tsy nisy tsy tanteraka. Tanteraka aby ijy abiaby.
Chapter 22

1Tamin'ijay fotôgna ijay die nangaike ny Robenita, Gadita, ary ny asasa-pokon'i Manase. 2Hoy ijy tamin-dreo hoe: "Efa tanterakaareo aby ijay nandidian'i Mosesy mpanompon'i Yaveh anareo. Nankatò ny feoko anareo tamin'ijay abiaby nandidiako anareo. 3Tsy nenga ny rahalahinareo anareo nandritra ijay andro maro ijay, mandrak'androany, ka tanterakareo ny andraikitra ijay nitakina tamin'ny alalan'ny didin'i Yaveh Andriamanitrareo.4Ankehitriny nomen'i Yaveh Andriamanitrareo fitsaharana ny rahalahinao, araka ijay nampagnantenaine an-dreo. Noho ijany mimpodiana ka mandihàna agne amin'ny lainareo agne amin'ny tany anagnanareo, ijay nomen'i Mosesy ilay mpanompon'i Yaveh anareo agne agnilan'i Jordana. 5Fa tandremo tsara mba ho vôtandrigna ny didy sy lalàna ijay nandidian'i Mosesy mpanompon'i Yaveh anareo, die ny hitiavana an'i Yaveh Andriamanitrareo, ny handihanana amin'ny lalàny abiaby, ny hitandremana ny didine, ary ny hifikirana amin'Aje sy ny hanompôna an'Aje amin'ny fonareo manontolo sy ny fagnahinareo manontolo."6 Die nitso-drano sady nampody an-dreo i Josoa, ka nimpody tagne amin'ny lainy areo.7Ka ny asasa-pokon'i Manase die efa nomen'i Mosesy lova tagne Basana, fa ny asasagne hafa koja nomen'i Josoa lova tagne akekin'ny rahalahine tagne amin'ny tany andrefagn'ny Jordana. Josoa nampody an-dreo tagne amin'ny lainy; nitso-drano an-dreo ijy 8ka nijaka tamin-dreo hoe: " Mimpodiàna agne amin'ny lainareo miaraka amin'ny vola be, sy biby fiompy maro die maro, sy volafotsy sy volamena, sy varahigna sy vy, ary fitafiena maro die maro. Jaray amin'ny rahalahinareo ny babo tamin'ny fahavalonareo."9Ka ny taranak'i Robena, ny taranak'i Gada, ary ny asasa-pokon'i Manase niherigna nody, nenga ny vahôkan'Israely tao Silo, ijay tagne amin'ny Kanana. Nienga ho agny amin'ny faritanin'i Gileada, agne amin'ny tanin-dreo, ijay fanagnane, tamin'ny fankatoavana ny didin'i Yaveh, tamin'ny alalan'ny tagnan'i Mosesy areo.10Laha avy tao Jordana ijay tao amin'ny tany Kanana areo, ny Robenita sy ny Gadita ary ny asasa-pokon'i Manase die namorogna alitara nagnakeke an'ny Jordana, alitara tena nakadiry sady nalaja. 11Ny vahôkan'Israely naregny an'ijay ka nagnano hoe: "Indro! ny vahôkan-dRobena, Gada, ary ny asasa-pokon'i Manase namorogna alitara teo alohakan'ny tany Kanana, agne Gelilota, agne amin'ny faritra akekin'i Jordana, amin'ny ilane ijay an'ny vahôkan'Israely."12Laha naharegny an'ijay ny vahôkan'Israely, die niara-nivory tao Silo ny fengonan'ny vahôkan'Israely manontolo mba hagnanike hamorogna ady hanoherana an-dreo.13Ary ny vahôkan'Israely nandefa mpitondra hafatra ho agne amin'ny Robenita, ny Gadita, ary ny asasa-pokon'i Manase, agne amin'ny tany Gileada. Nandefa an'i Fineasy janaka lahin'i Eleazara mandy koa areo, ilay mpisorogna, 14ka mpitarika folo niaraka tamin'aje, raike isaky ny rajambem-pianakavian'Israely, ka areo kiraidraike aby die efa lohan'ny fianakaviana tao amin'ny vahôkan'Israely.15Avy tagny amin'i vahôkan'i Robena, Gada, ary ny asasa-pokon'i Manase, tagne amin'ny tanin'ny Gileada areo, ka hoy areo tamin'aje: 16"Ijao ny vorian'ny fengonan'i Yaveh manontolo: 'Ino ny fivadiham-pitokisana natanareo tamin'i Andriamanitr'Israely ijao, nienga tamin'ny fagnarahana an'i Yaveh anareo ankehitriny amin'ny alalan'ny fagnamboaranareo alitara tamim-pikomiana tamin'i Yaveh tamin'itoy andro itoy?17Tsy ampy antsena ve ny fahotantsena tao Peora? Ijay mbola tsy nahadiovantsena ny tegnantsena tamin'ijay akory. Ka ijay fahotana ijay ny nampisy areti-mandripake tao amin'ny fengonan'i Yaveh. 18Tsy mentsy hiala amin'ny fagnarahana an'i Yaveh mandy koa ve anareo amin'itoy niany itoy? Laha mikomy amin'i Yaveh mandy koa anareo niany, die ho vignitre amin'ny fengonan'Israely manontolo Ijy ampitso.19Laha vôloto ny tany ijay anagnanareo, die tokone hitsaka amin'ny tany ijay misy ny tabernakelin'i Yaveh anareo ka mangalà fanagnana ho anareo ao aminay. Aja mikomy amin'i Yaveh fotsine, na mikomy aminay amin'ny famorognana alitara hafa ho anareo ankôtra ny alitaran'i Yaveh Andriamanitrantsena. 20Sa ve Akana janaka lahin'i Zera tsy efa nandrava finoana tamin-draha ijay efa vôtokagna hôn'Andriamanitra? Sa ve tsy niraraka tamin'ny vahôkan'Israely abiaby ny havignirana? Sady tsy io lelahy io rerike ny maty noho ny helokane.'"21Ka ny fokon'i Robena, ary ny asasa-pokon'i Manase namaly ny loham-pianakavian'Israely hoe: "22 Ilay Tsitoha, Andriamanitra, Yaveh! Ilay Tsitoha, Andriamanitra, Yaveh! - Ijy mahalala, ary ny Israely ôka hahalala! Laha tamim-pikomiana na tamin'ny fivadiham-pitokisana tamin'i Yaveh ijay, die aja amindrana fo ahay amin'itoy andro itoy 23ny amin'ny namorognanay alitara mba hienganay amin'ny fagnarahana an'i Yaveh. Laha namorogna ny alitara mba hahafahana magnome fagnatitra orôna, fagnatitra hohanina, na fagnati-pihavagnana ahay, die ôka Yaveh hampagnefa anay ny amin'ijay.24Tsiare! Tahotra ny namboaranay an'ijao satria rahatrijay die mety hagnontany ny janakay ny janakareo hoe: 'Hone mpifagnino amin'i Yaveh anareo, ilay Andriamanitr'Israely?25Fa Yaveh efa nagnano an'i Jordana ho faritra magnelagnelagna antsena sy anao. Anao ry vahôkan'i Robena sy vahôkan'i Gada, tsy hambôtre na ino na ino amin'i Yaveh anareo.' Noho ijay ny janakareo die mety hampijanogna ny janakay amin'ny fanompôna an'i Yaveh.26Ka hoy ahay hoe: 'Mamelà anay hanangagna alitara ankehitriny, tsy hôn'ny fagnatitra orôna na sorogna, 27fa mba ho vavolombelogna eo aminay sy anareo, ary areo eo amin'ny taranaka fara-mandimbintsena, fa hagnatanteraka ny fanompôna an'i Yaveh alohakane antsena, amin'ny alalan'ny fagnatitra orôna, sy sorogna ary fagnati-pihavagnana amboarintsena, ka mba tsy hijakan'ny janakareo amin'ny janakay rahatrijay hoe: " Tsy managna anjara ao amin'i Yaveh anareo.'"28Ka hoy ahay hoe: 'Laha tahinay ka vorianina aminay na amin'ny taranakay rahatrijay ijay, die hatanay hoe: "Indro! Itoy ny dika mitovy amin'ny alitaran'i Yaveh, ijay namboarin'ny rajambenay, tsy hôn'ny fagnatitra orôna, na sorogna, fa ho vavolombelogna teo aminay sy anareo."29 Sagnatriavinay anie ny hikomy amin'i Yaveh, sady hienga amin'ny fagnarahana an'Aje niany amin'ny alalan'ny famboarana alitara hôn'ny fagnatitra orôna, ny fagnatitra hohanina, na sorogna, hafa ankôtra ny alitaran'i Yaveh Andriamanitrantsena ijay eo alohakan'ny tabernakely."'30Laha regnin'i Finehasa ilay mpisorogna sy ny mpitarika ny vahôke, ijay, loham-pianakavian'ny Israely niaraka tamin'aje, die naharegny ny jaka nivorianin'ny vahôkan'ny Robena, Gada, ary Manase, die tsara tamin-dreo ijay. 31Die hoy Fineasy janaka lahin'i Eleazara ilay mpisorogna tamin'ny vahôkan'ny Robena, Gada, ary Manase hoe: " Fantatray ankehitriny fa amintsena eto i Yaveh, satria anao tsy nagnano an'ijay fivadiham-pagnikena ijay tamin'Aje. Ankehitriny anao nagnavotra ny vahôkan'Israely tamin'ny tanin'i Yaveh anao."32Ary Fineasa janak'i Eleazara mpisorogna, sy ny mpitarika nimpody laha tagne amin'ny Robenita sy ny Gadita, tao amin'ny tanin'i Gileada ho agne amin'ny tany Kanana, ho agny amin'ny vahôkan'Israely, ka nitondra valin-teny tamin-dreo. 33Nety tamin'ny vahôkan'Israely Israely ny tatitran-dreo. Nisaotra an'Andriamanitra ny vahôkan'Israely ka tsy nivoria ny hiady amin'ny Robenita sy Gadita koa, mba hanimbana ny tany ijay nitobohan-dreo.34"Vavolombelogna" na natan'ny Robenita sy ny Gadita agnaran'ny alitara, satria hoy areo hoe: "Io ny vavolombelogna eo aminay fa Yaveh no Andriamanitra."
Chapter 23

1Laha afaka andro maromaro, laha nagnome fitsaharana hôn'ny Israely laha tao amin'ny fahavalone abiaby ijay nagnodidigna an-dreo Yaveh, ka antitra sady nitombo taogna Josoa.2 Die nampangaike ny Israely abiaby Josoa- ny loholony, ny mpitarikane, ny mpitsarane, ary ny manam-boninahitrane- ka nijaka tamin-dreo hoe: "Tena antitra iaho. 3Efa hitanareo ny raha abiaby ijay natan'i Yaveh Andriamanitrareo tamin'ny firenena abiaby noho anareo, fa Yaveh Andriamanitrareo ny niady hônareo.4Indro! Efa nitondroiko ho anareo ny firenena ijay mbola ho resena ho lovan'ny fokonareo, miaraka amin'ny firenena abiaby efa naripako, nanomboka tao Jordana ka hatagne amin'ny Ranomasina Makadiry agne andrefagna. 5Handrôka an-dreo Yaveh Andriamanitrareo. Hanosika an-dreo hienga aminareo Ijy. Halaine ny tanin-dreo, ka hangala ny tanin-dreo ho fanagnanareo anareo, arak'ijay nampagnantenain'i Yaveh Andriamanitrareo anareo.6Ka matanjaha, mba hitandremanareo sady hamboaranareo ny abiaby ijay vôsoratre ao amin'ny bokin'ny lalàn'i Mosesy, tsy hienga amin'ijay mihitsy na menkavanana na menkavia,7 mba tsy hiharoanareo amin'ny firenena ijay mijanogna hôminareo na hanognona ny agnaran'ny andriamanitran-dreo, mifanta amin-dreo, nanompo an-dreo, na menkohoke amin-dreo. 8Fa koja, mifikira amin'i Yaveh Andriamanitrareo anareo manahaka an'ijay efa namboarinareo mandraka ankehitriny.9Fa Yaveh nandrôka teo alohakareo ny firenena makadiry, matanjaka. Fa ho anareo, tsy misy afaka mitsangagna eo alohakareo mandraka androany. 10Ny lahy tokagna amin'ny isanareo die hahatonga ny arivo hilefa, satria Yaveh Andriamanitrareo, no Ilay miady ho anareo, hôtran'ny nampagnantenaine anareo. 11Mitandrema tsara, mba hitiavanareo an'i Yaveh Andriamanitrareo.12Nefa laha mimpody miherigna sady mifikitra amin'ny ijay sisa velognan'ny firenena ijay mijanogna eo aminareo anareo, na laha mifanambady amin-dreo, na laha miaraka amin-dreo anareo ka areo miaraka aminareo, 13die fantaro tokôtre fa Yaveh tsy handrôka ireo firenena ireo hienga taminareo koa. Fa koja, hanjary fandrike tonta ho anareo areo, karavasy an-dakambohonareo ao sady fantsy eo amin'ny masonareo, mandra-pahafatinareo eto amin'itoy tany tsara ijay nomen'i Yaveh Andriamanitrareo anareo itoy.14Ijao die handeha amin'ny lalàn'ny tany abiaby iaho, ary fantatrareo amin'ny fonareo sy ny fagnahinareo manontolo fa tsy misy jaka raike tsy ho tanteraka tamin'ny raha tsara abiaby ijay nampagnantenain'i Yaveh Andriamanitrareo anareo. Io raha abiaby io die efa ho avy ho anareo. Tsy misy raike amin'ijy io ho trotrake. 15Fa hôtran'ny jaka abiaby nampagnantenain'i Yaveh Andriamanitrareo anareo ka tanteraka, die hitondra aminareo ny raha abiaby Yaveh mandra-pandripahane anareo tsy ho eto amin'itoy tany tsara ijay nomen'i Yaveh Andriamanitrareo anareo itoy.16Hamboarine ijay laha mandika ny fagniken'i Yaveh Andriamanitrareo, ijay nandidiane anareo mba hitandremana anareo. Laha mandeha sady manompo ny andriamanin-kafa ka menkohoke amin'ijay anareo, die hirehitra aminareo ny havigniran'i Yaveh, ka ho faty malaky tsy ho eo amin'ny tany tsara ijay nomeny anareo anareo."
Chapter 24

1Ary die namperahin'i Josoa tao Sekema ny fokon'Israely abiaby ka nangaike ny loholona tao Israely, ny mpitarika an-dreo, ny mpitsara, sy ny manam-pahefan-dreo, ka nagnatoro ny tegnan-dreo teo agnatrehan'Andriamanitra. 2Hoy i Josoa tamin'ny olo abiaby hoe: " Ijao ny vorianin'i Yaveh, ilay Andriamanitr'Israely: 'Tagne alohake ela be ny rajambenareo die nipetrake tagne agnilan'ny reniranon'i Eofrata _ Tera, iaban'i Abrahama sy iaban'i Nahora- ka nanompo ny andriamanitra hafa areo.3Fa nalaiko tagne agnilan'i Efraita iabanareo ka nindôsiko tagne amin'ny tany Kanana ka nomeko taranaka rahabe tamin'ny alalan'i Isaka ijy. Ary nomeko an'i Jakoba sy Esao i Isaka. 4Ka nomeko ho fanagnan'i Esao ny tagnambogna an'i Seira, fa i Jakoba sy ny janagne die nijotso tagne Egypta.5Nandefa an'i Mosesy sy Arona Iaho, ka nandraha ny Egyptiana tamin'ny areti-mandripake. Tafaran'ijay, die nindôsiko nivôke anareo. 6Nindôsiko nivôke an'i Egypta ny rajambenareo, ka avy tegne an-dranomasina anareo. Nagnenjika anareo tamin'ny kalesa sy mpitengin-tsôvaly hatagne agne amin'ny ranomasina mena ny Egyptiana.7Laha nangaike mahare an'i Yaveh ny rajambenareo, die nasiane hejigna teo agnelagnelagnareo sy ny Egyptiana. Nindôsine tamin-dreo teo ny ranomasina ka nanarogna an-dreo. Anareo nahita ny natako tagne Egypta. Avy eo anareo die nipetraka tagne agn'efitre nandritra ny fotôgna naharitre.8Nindôsiko tagne amin'ny tanin'i Amorita anareo, ijay nipetraka tegne agnilan'i Jordana. Niady taminareo ijy, ka natolotro teo am-pelatagnanareo. Nalainareo ho fanagnana ny tanin-dreo, sady nipotehiko teo agnatrehanareo areo.9Ka nitsangagna i Balaka janak'i Zipora, mpanjakan'i Moaba, ka nanafika an'Israely. Nandefa sady nangaike an'i Balama janak'i Beora, mba hanitsike anareo. 10Fa tsy niteno an'i Balama aho. Nitahy anareo tokôtre ijy. Ka die namonjy anareo tan-tagnane tegne iaho.11Nitsaka an'i Jordana anareo ka die avy tao Jeriko. Ny mpitarika an'i Jeriko die niady taminareo,niaraka tamin'ito Amorita, ny Kananita, ny Hetita, Girgasita, ny Hevita, ary ny Jebosita. Nomeko fandresena anareo ka nametraka an-dreo ambanin'ny fifihejanareo Iaho. 12Nandefasako fangaraka anareo, ijay nampilefa an-dreo sy ny mpanjakan'i Amorita roe teo agnatrehanareo. Ijay die niseho tamin'ny alalan'ny sabatrareo na ny tsipìkareo.13Nomeko tany ijay mbola tsy nesàna sy tanàna ijay mbola tsy namorognana anareo, ka ankehitriny anareo die mipetraka amin'io egne. Mihinagna ny vônkajon'ny tanim-bôloboke sy ny sahan'oliva ijay tsy nambolenareo anareo.'14Ankehitriny matahòra an'i Yaveh ka miderà an'Aje amim-pahitsiana sy amim-pahamarignana; foagno ny andriamanitra ijay nitompoin'ny rajambenareo tagne agnilan'ny Eofrata sy tao Egypta, ka manompoà an'i Yaveh. 15Laha hitanao fa ratsy ny midera an'i Yaveh, die fidio ijay ho tompoinao, na ny andriamanitra ijay nitompoin'ny rajambenareo tagne agnilan'i Eofrata, na ny andriamanitrin'ny Amorita, ijay tompon'ny tany hitobohanareo. Fa laha iaho sy ny ankohonako koja, die hanompo an'i Yaveh ahay."16Namaly ny vahôka ka nijaka hoe: "Tsy hamoy an'i Yaveh mihitsy ahay mba hanompo andriamanitra hafa,17 satria Yaveh Andriamanitray ny nitondra anay sy ny rajambenay hivôka ny tany Egypta, hivôka ny tragno fagnandevojana, sy ijay nambôtre ny famantarana makadiry tamasonay teo, ary ijay niaro anay tagne amin'ny lalagna abiaby nandihananay, ary tamin'ny firenena abiaby ijay nombanay.18 Ka Yaveh die nitondra ny olo ijay neloha lalagna anay, ao agnatin'ijay ny Amorita ijay nonigna tao amin'ny tany. Noho ijany ahay koa die hanompo an'i Yaveh, satria Ijy no Andriamanitray.19Fa hoy i Josoa tamin'ny vahôke hoe: "Tsy mahajo manompo an'i Yaveh anareo, satria Ijy die Andriamanitra masina; Ijy die Andriamanitra saropoaro; Ijy die hagnavela ny fandikàna sy ny fahotànareo. 20Laha mahafoy an'i Yaveh anareo ka manompo ny andriamanitra mpiavy, die himpody Ijy ka hampijaly anareo. Hagnafongagna anareo Ijy, laha avy nambôtre soa taminareo."21Fa hoy ny olo tamin'i Josoa hoe: "Tsiare, hanompo an'i Yaveh ahay." 22Die hoy i Josoa tamin'ny vahôke hoe: "Anareo die vavolombelogn'ny tegnanareo fa efa nifidy an'i Yaveh, mba hitompoina." Hoy areo hoe: "Vavolombelogna ahay." 23Ankehitriny die alay ny andriamanitra hafa ijay miaraka aminareo, ka atodiho amin'i Yaveh Andriamanitr'Israely ny fonareo."24Hoy ny vahôke tamin'i Josoa: "Hanompo an'i Yaveh Andriamanitray ahay. Hiteno ny jakane ay." 25Nambôtre fifagnikena tamin'ny vahôke i Josoa tamin'io andro io. Nametraka didy aman-dalàna tao Sekema ijy. 26Nisoratan'i Josoa tao amin'ny bokin'ny lalàn'Andriamanitra io teny io. Nangala vato makadiry ijy ka natobokane teo ambanin'ny hajo terebintana ijay teo akekin'ny toerana masin'i Yaveh.27Hoy Josoa tamin'ny vahôke abiaby hoe: "Indro, itoy vato itoy ny vavolombelogna manohitra antsena. Naharegny ny jaka nivorianin'i Yaveh tamintsena ijy. Ka ho vavolombelogna aminareo io, laha ohatra ka mandà ny Andriamanitrareo anareo." 28Ka die nalefan'i Josoa kiraidraike laha tagne amin'ny lovane ny vahôke.29Tafaran'io raha io i Josoa janak'i Nona, mpanompon'i Yaveh, die maty tamin'ny faha 110 taognane. 30Nalevignan-dreo tagne amin'ny faritany ijay nilovaine ijy, tagne Timnata-sera, ijay tagne amin'ny tagnambognan'i Efraima, avaratry ny tendrombohitr'i Gasa.31Nanompo an'i Yaveh i Israely nandritra ny androm-piaignan'i Josoa, sy tamin'ny andron'ny loholona ijay niaigna nihôtra an'i Josoa, areo ijay niaigna ny raha abiaby ijay natan'i Yaveh ho an'i Israely.32Nindôsin'ny vahôkan'Israely nivôke an'i Egypta ny tôlam-balon'i Josefa ka nalevignan-dreo tagne Sekema ireo, ao amin'ny ampahan-tany ijay nividin'i Jakoba tamin'ny janaka lahin'i Hamora, iaban'i Sekema. Nividy an'ijay tamin'ny volafotsy jato singa ijy, ka nanjary lova ho an'ny taranak'i Josefa. 33Maty mandy koa i Eleazara janaka lahin'i Arona. Nalevignan-dreo tagne Gibeha, renivohotr'i Fenehasa janaka lahine, ijay efa nomena an'aje. Ijany die tegne amin'ny tagnambognan'i Efraima.

Judges

Chapter 1

1Tafaran'ny nahafatesan'i Josoa, nagnotany an'i Yaveh ny vahôkan'Israely, nagnano hoe: ''Ija no hanafika vôlohany ireo Kananita ho anay, mba hiady amin-dreo?" 2Die hoy Yaveh : ''Hanafike i Joda. Io, efa nomeko an-dreo ny fifehejana an'itoy tany itoy." 3Ireo lelahin'i Joda nijaka tamin'ireo lelahin'i Simeona, rahalahin-dreo hoe: "Miakara miakara aminay agny amin'ny faritaninay ijay vôtendry ho anay fa miarake no afake miady amin'ireo Kananita. Handeha hiarake aminareo hôtran'ijany agny amin'ny faritany ijay vôtendry ho anareo ahay. Ka nagnarake an-dreo ny fokon'i Simeona.4anafike ny lelahin'i Joda, ary nomen'i Yaveh an-dreo ny fandresena an'ireo Kananita sy ireo Perezita namono lelahy iray aligna tamin-dreo tagny Bezeka areo.5 Nahita an'i Adonia Bezeka tagny Bezeka areo, ary niady tamin-dreo ka nandresy ireo Kananita sy ireo Perezita6a nitsôke i Adonia Bezeka, ary nanjahan-dreo ijy ka tratrany, ary notapahin-dreo ny ankiben-tagnany sy ny ankihiben-kongony. 7Die hoy i Adonia Bezeka: ''Mpanjaka fitopolo, ijay tapake ny ankiben-tagnany sy ankiben-kongon-dreo, no nagnangogna ny hanin-dreo tao ambany latabatro. Hotran'ijay efa namboariko, die hôtran'ijay mandy koa no nataon'Andriamanitra tamin'ahy. '' Nindôsin-dreo tagny Jerosalema ijy, ary maty tagny.8Niady tamin'ny tanànan'i Jerosalema ireo lelahin'i Joda ary nangala an'ijany. Nanafike an'ijany tamin'ny lelan-tsabatre areo ary nagnoro ny tanàna. Tafaran'ijany, nijotso hiady amin'ireo9 Kananita ijay nitoetre tagny amin'ny tany agnambo, tagny Negeva, sy tagny andrefan'ny tety mitandavagna ireo lelahin'i Joda.10 Nandroso nanohitre ireo Kananita ijay nidoboke tagny Hebrona i Joda (ny agnaran'i Hebrona teo aloha die i Kiriata Arba), ary nandresy an'i Sesay, Ahimana ary Talmay areo.11Avy tegne no nandroso nanohitre ireo mponign'ny Debira ireo lelahin'i Joda(ny agnaran'i Debira teo aloha die i Kiriaty Sefera). 12Hoy i Kaleba: ''N'ija n'ija manafike an'i Kiriaty Sefera ary mangala an'ijany die homeko an'ajy i Aska, janako vavy mba ho vadiny. '' 13Otniela janake lahin'i Kenaza(zandry lahin'i Kaleba) nanambotre an'i Debira, ka die nomen'i Kaleba an'ajy i Aksa, janagny vavy, mba ho vadiny.14Tsy ela die tonga tagny amin'i Otniela i Aksa, ary nandrisike an'ajy hangatake amin'ny abany mba hagnome harenagna raike ho an'ajy ijy. Laha niala tamin'ny ampondrany ijy die nagnontany an'ajy i Kaleba hoe: Ino no ajoko atao anao?'' 15Ary hoy ijy tamin'ajy: ''omeo tso-drano iaho. Satria efa nomenao an'ahy ny tany Negeva, die omeo loharano mandy koa iaho. '' Ka die nomen'i Kaleba an'ajy ny loharano ambony sy ny loharano ambany.16Ny taranaky ny rafojan-dahin'i Mosesy ilay Kenita die niakatre avy tagny amin'ny Tanànan-drofia niarake tamin'ny vahôkan'i Joda marivon'Arda. 17Ny lelahin'i Joda nandeha niarake tamin'ireo lelahin'i Simeona rahalahin-dreo ary nanafike ireo Kananita ijay nonigna tagny Zefata areo ary noravan-dreo tanterake ijany. Ny agnaran-ilay tanàna die nangehana hoe Horma.18Nosamborin'ny vahôkan'i Joda mandy koa i Gaza sy ireo tany magnodidigna an'azy, Askelona sy ny tany magnodidigna an'ajy, ary Ekrona sy ny tany magnodidigna an'ajy. 19Niarake tamin'ireo vahôkan'i Joda i Yaveh ary nangala ny tany ambon-dreo nefa tsy nandrôke ireo mponign'ny tany lemake nohon'ny fanagnan'dreo Kalesy vy.20mena an'i Kaleba i Hebrona(arake ny efa nojakain'ni Mosesy), ary noroahiny tao ireo janake telo ,lahin'i Anaka. 21Nefa tsy nandrôke ireo Jebosita ijay mponign'i Jerosalema ny vahôkan'i Benjamina. Ka die nonigna niarake tamin'ny vahôkan'i Benjamina tao Jerosalema ireo Jebosita, mandrak'androany.22Ny ankohonan'i Josefa die niomagna hanafike an'i Betela, ary nomba an-dreo i Yaveh. 23Nagnirake lelahy hitsikilo an'i Betela areo( ilay tanàna ijay nangehana hoe Lozy teo aloha). 24Nahita lelahy nivôke ny tanàna ireo mpitsikilo, die hoy areo tamin'ajy: ''Mba haboahy anay rô, ny fomba hidirana ao amin'ny tanàna, die ho tsara fagnahy aminareo ahay.''25e nabôkany an-dreo ny lalagna menga ao amin'ny tanàna, ka die nanafike ny tanàna tamin'ny lelan-tsabatre areo, nefa navelan-dreo nenga ilay lelahy sy ny fianakaviany. 26Avy eo die nenga agny amin'ny tanin'ireo Hetita ilay lelahy ka nanorigna tanàna ary nangehany hoe Lojy ijany, ijay agnarany mandrak'androany.27Tsy noroahin-dreo vahôkan'ny Manase ireo vahôke nitoetre tagny amin'ny tanàn'i Beta Sana sy ireo jana-bohiny, na Tanasa sy ireo ijay nonigna tagny Dora sy ireo jana-bohiny, na ireo ijay nonigna tao Ibleama sy ireo jana-bohiny, na ireo ijay nonigna tagny Megido sy ireo jana-bohiny, satria efa tapa-kevitre ny hitoetre amin'ijany tany ijany ireo Kananita. 28Laha lasa natanjake i Israely; die noteren-dreo hanompo an-dreo tamin'ny asa mafy ireo Kananita, nefa tsy mbola nandrôke an-dreo tanterake areo.29Tsy noroahin'i Efraima ireo Kananita ijay nonigna tagny Gezera teo amin-dreo fehijay ireo Kananita.30Tsy noroahin'i Zebolona ny vahôka nidoboke tagny Nahalola, ary die nitoetre teo amin-dreo fehijay ireo Kananita, nefa noteren'i Zebolona hanompo an-dreo tamin'ny asa mafy ireo Kananita.31Tsy noroahin'i Asera ny vahôke nitoetre tagny Ako,na ny vahôka nitoetre tagny Sidona,na ireo ijay nitoetre tagny Alaba, Akziba,Helba, Alfika, na Rehoba. 32Ka die nitoetre teo amin'ireo Kananita ny fokon'i Asera (ireo ijay efa nitoetre tao amin'ilany tany), satria tsy nandrôke an-dreo areo.33tsy noroahin'i fokon'i Naftaly ireo ijay nitoetre tagny Beta Semesa, na ireo ijay nitoetre tagny Beta Anata. Ka die nitoetre teo amin'ireo Kananita ny fokon'i Naftaly (ny vahôka ijay efa nitoetre tamin'ijany tany ijany). Na ijany aja, noterena tagnatin'ny asa mafy ho an'i Naftaly ireo mponin'i Beta Semesa sy Beta Anata.Noteren'iAmorita agny amin'ny tany ambo ny fokon'i Dana, ary tsy navelany nijotso tagny amin'ny lemake areo. Ka die nonigna tao an-tetin'i Heresa, tagny Aijalona,ary tagny Salbima ireo Amorita, nefa ny miaramila maherin'ny ankohonan'i Josefa nandrese an-dreo, ary die noteren-dreo hanompo an'ajy amin'ny asa mafy areo. Nihitatre avy tagny amin'ny tany ambonin'i Akrabima agny Sela niakatre lahatagny amin'ny tany ambo ny sisin-tanin ireo Amorita.
Chapter 2

1iakatre avy tao Gilgala henga agny Bokima anjelin'i Yaveh,ary nagnano hoe:''Nitondra anareo niakatre avy tao Egypta Iaho, ary nitondra anareo tagny amin'ny tany nifantako homena ireo rajagnareo Hoy aho:''Tsy handrava ny fagnekeko aminareo mihitsy Iaho. 2Aja magnano fagnekena ijay nidoboke ao amin'itoy tany itoy anareo. Ôke horavanareo ny alitaran-dreo. Nefa tsy niteno ny feoko anareo. Fa ino itoy natanareo?3Koa ankehitriny iaho die mijaka fa: 'tsy handroke ireo Kananita eo ankatrehanareo Iaho, fa ho lasa tsilo eo agnilanareo areo, ary ireo andriamaniny die ho lasa fandrike ho anareo. 4''Laha nijaka ireo jaka ireo tamin'ny vahôkan'i Israely abiaby ny anjelin'Andriamanitra,die nihiake sy nitagny ny vahôka.5 Nangehan-dreo hoe Bokima ijany toerana ijany. Nanolotre fanatitra ho an'i Yaveh tao areo.6Ary laha nagnirake ny vahôkan'i Israely tamin'ny lalan-dreo Josoa, die nenga agny amin'ny toerana vôtendry ny vahôkan'i Israely kiraidraike, mba hangala ny tanin-dreo. 7Nanompo an'i Yaveh nandritre ny androm-piaignan'i Josoa sy ireo loholona ijay mbola velogna tafaran'ny vahôka, ary ireo ijay nahita ny asa lehiben'i Yaveh abiaby namboariny ho an'i Israely. 8Josoa janake lahin'i Nona mpanompon'i Yaveh, die maty teo amin'ny faha-110 taonany.9ndevigna an'ajy tao amin'ny faritanin'ny tany nanendrena an'ajy tao Timnata-heresa areo, tao amin'ny tany ambon'i Efraima, avaratry ny tetin'i Gasa.10 Ijany taranake abiaby ijany mandy koa die nangonina ho amin'ny rajagnan-dreo. Nisy taranake hafa nitombo tafaran-dreo ijay tsy nahafantatre an'i Yaveh na ijay namboariny tamin'ireo Israely.11Nagnano ijay ratsy teo imason'i Yaveh ny vahôkan'i Israely ary nanompo an'i Bala areo. Nisarake tamin'ni Yaveh areo, ny 12Andriamanitry ny rajan-dreo, ijay nitondra an-dreo nivôke avy tao amin'ny tany Egypta. Nagnarake ireo andriamanin-kafa areo, ireo tena andriamanitr'ireo vahôka ijay magnodidigna an-dreo, ary niankohoke tamin'ireo. Nagnetsike ny havigniran'i Yaveh areo satria 13nisarake tamin'i Yaveh ary nanompo an'i Bala sy ireo Astarta14Nirehitre tamin'i Israely ny havigniran'i Yaveh, ary nomeny an'ireo mpanafike ijay nangalatre ny fanagnan-dreo tamin'ajy areo. Namidiny ho andevo ireo ijay vôtajogna tamin'ny herin'ny fahavalo magnodidigna an-dreo, mba tsy hahafahan-dreo koa miaro ny tegnany amin'ireo fahavalony. 15Na taja na taja nandehanan'Israely niady, ny tagnan'i Yaveh die nanohitre an-dreo mba handresy an-dreo arake ny nifantany tamin-dreo ary tao agnaty fahoriana mahatsiravigna areo16Ary Yaveh nanandratre mpitsara, ijay namonjy an-dreo tamin'ny tagnan-dreo ijayu nangalatre ny fanagnan-dreo. 17Nefa tsy niteno ireo mpitsarany areo. Tsy nahatoky tamin'i Yaveh areo ary nanolotre ny tegnany hôtran'ny mpijangajanga tamin'ireo andriamanin-kafa sy nanompo ireo. Nivily malaky tamin'ny lalagna niaignan'ireo rajagny areo-ireo ijay nankato ny didin'i Yaveh-nefa tsy mba nagnano hôtran'ijany areo.18Laha nanandratre mpitsara ho an-dreo i Yaveh, nangnampy ireo mpitsara i Yaveh ary namonjy an-dreo tamin'ny tagnan'ireo fahavalon-dreo tamin'ny andro abiaby niaignan'ireo mpitsara. Nangorake an-dreo Yaveh laha nisento noho ireo ijay nampahory sy nampijaly an-dreo areo. 19Fa laha maty ny mpitsara, die niala sy nangnano ireo raha ijay ratsy loholoho noho ny nataon'ireo rajagny aja areo. Nagnarake ireo andriamani-kafa mba hanompo sy hidera an'ajy areo. Nandà ny hiala tamin'ireo fataony ratsy abiaby na tamin'ireo ditrany areo.20Nirehitre tamin'i Israely ny havigniran'i Yaveh; hoy Ijy:" Satria itoy firenena itoy die nandrava ireo jakan'ny fagnekeko ijay napetrako ho an'ireo rajagny-satria tsy niteno ny feoko areo-21 Iaho,manombok'ijao, die tsy handrôka eo alohan-dreo na ny raike amin-dreo firenena ijay navelan'i Josoa laha maty ijy. 22Hagnano an'ijany Iaho mba hahafahako mitsapa ny Israely, na hitandrigna ny lalagn'i Yaveh sy handeha amin'ijany areo na tsia, hotrin'ny nitandreman'ny rajagn'ireo an'ijany. 23Ijany no antony nandôjan'i Yaveh ireo firenena ireo sy tsy nandroahana an-dreo malaky tao ary nagnomejany an-dreo teo an-tagnan'i Josoa.
Chapter 3

1Ary Yaveh namela firenena ireo mba hitsapa an'i Israely ijay tsy nanagna traikefa tamin'ny ady die niady tagny Kanana. 2(Nagnano ijany ijy mba hampianarana ady an'ireo taranak'Israelita vaovao ijay mbola tsy nahalala an'ijany teo aloha). 3Ireto firenena :ireo mpanjaka dimy avy amin'ireo Filistina, ary ireo Hivita ijay nonigna tagny amin'ireo Tetin'i Libanona, lahatamin'ny tetin'iBala-hermona ka lahatagny Lalagna Hamata.4Nabela ireo firenena ireo, ijany ny fomba nitsapan'i Yaveh an'Israely,mba hagnamafisana na nankatò ireo didy ijay nomeny an'ireo rajamben-dreo tamin'ny alalagn'iMosesy areo. 5Noho ijany ireo vahôkan'iIsraely die nonigna teo amin'ireo Kananita, ireo Hetita, Amorita Perizita, ary ireo Jebosita. Ireo Janake vavin-dreo die nalain-dreo mba ho vadin-dreo, ary ireo janake vavin-dreo manokagna die nomen-dreo ho an'ny janaka lahin-dreo,ary nanompo ireo andriamaniny areo.7Nagnano ijay ratsy teo imason' i Yaveh ny vahôkan'i Israely ary nagnadigno an'i Yaveh Andriamanitran-dreo.Nanompo ireo Bala sy ireo Aseraha areo. 8Noho ijany, die nirehitre tamin'Israely ny havigniran'i Yaveh, ary namidiny teo am-pelatagnan'i Kozana-risataima mpanjakan'i Arama Naharaima areo. Nanompo an'iKozana-risataima nandritre ny valo taogna ireo vahôkan Israely.9Laha nangaike mahare an'i Yaveh ny vahôkan'i Israely, die nanandratre olo mba ho tonga hamonjy ny vahôkan'i Israely i Yaveh, sy hagnavotra an-dreo: Otniela janake lahin'i Kenaza ( jandrin i Kaleba). 10Nagnome hery an'ajy ny fanahin' Yaveh, ary nitsara an'i Israely ijy ary nivôke tagny amin'ny ady. Nomen'i Yaveh fandresena teo ankatrehan'i Kozana-risataima mpanjakan'i Arama ijy. Nandresy an'i Kozana-risataima ny tagnan' i Otniela. 11Nilamigna ny tany nandritre ny efapolo taogna. Avy eo die maty i Otniela janake lahin'i Kenaza.12Tafaran'ijany,die mbola nagnano ratsy teo imason'iYaveho indraike ireo Israelita, la nagnome hery an'i Eglona mpanjakan'i Moaba mba hampandresy ireo Israelita i Yaveh. 13Nikambagna tamin'ireo Amona sy ireo Amaleka eglona, ďie nandeha areo ka nandresy ny an'Ysraely, ary nalain-dreo ho fanagnany ny Tanàn-drofia.m nalain-de. 14Nanompo an'i Eglona mpanjakan'i Moaba nandritre ny valo ambin'ny folo taogna ny vahôkan'Israely.15Laha nangaike mahare an'i Yaveh ny vahôkan'Israely, die nanandratre olo raike Yaveh hagnampy an-dreo, Ehoda janak'i Gera, Benjamita, lelahy kavia. Nandefa an'ajy niarake tamin'ny fandoavan-ketran-dreo, tagny amin'i Eglona mpanjakan'i Moaba ny vahôkan'i Israely.16Nanamboatre sabatre raike ijay nisy lela roe ho an'ajy i Ehoda, raike hakiho ny halavany; nofatorany tao ambanin'ny ankanjony teo amin'ny feny ankavanagna ijany. 17Nomeny an'i Eglona mpanjakan'i Moaba ilay fagnomejana.(Ary Eglona die lelahy matavy be.) 18Tafaran'ny nanoloran'i Ehoda ilay fandoavan-ketra, die lasa niarake tamin-dreo ijay nitondra an'ijany ijy.19Laha ny amin'i Ehoda koja, laha tonga teo amin'ilay toerana ijay nisy ireo sarin-draha vôsokitra natao teo akekin'i Gilgala ijy, die nitodika sady nipody ijy, ary nijaka hoe: "Managna tsiambaratelo ho anao aho, ry mpanjakako." Ary Eglona nijaka hoe:"Mangina!" Ka nivôke ny efitre areo abiaby ijay nanompo an'ajy. 20Tonga teo amin'ajy i Ehoda. Nidoboka rerike ny mpanjaka, rerike tao amin'ny mangatsiatsiake tao amin'ny efi-tragno ambony. Hoy Ehoda hoe: "Managna hafatre avy agny amin'Andriamanitra ho anao iaho. "Nitsangagna avy teo amin'ny fidobohany ny mpanjaka.21Namparin'i Ehoda ny tagnany havia ary nalainy teo amin'ny feny ankavanagna ny sabatre, natsatogny teo amin'ny vatan'ny mpanjaka ijany. 22Ilay tahon-tsabatre teo amin'ajy die nagnarake ny lamosigne. Nivôke tao an-damosigne ilay tendron-tsabatre ary nandrakotre an'ijany ilay tavy, fa tsy nagnatsôke ilay sabatre tamin'ny kibony i Ehoda. 23Avy eo die nivôke teo an-davarangagna i Ehoda ary nagnakatogna ireo varavaran'ny efitre ambony ary nagnampegna an'ijany.24Laha lasa i Ehoda, die tonga ireo mpanompon'ny mpanjaka; hitan-dreo fa mipegna ireo varavaravaran'ny efitre ambony, ka nihevitre areo hoe: "Ajo antoke fa nangala aigna ao amin'ny mangatsiatsiake ao amin'ny efitre ambony ijy. " 25Nitombo ny ahiahin-dreo mandra-pahatsapan-dreo fa nagnano tsinontsino ny andrekiny areo laha tsy nanokatre ny varavarana tao amin'ny efitre ambony ilay mpanjaka. Ary nalain-dreo ny lakle, die novohany ireo, ary nitsirara teo ny tompony, lavo tamin'ny tany, ary maty.26ha teo am-piandrasana ireo mpanompo, die nanontagny tegna ny amin'ijay tokony hatao areo, nilefa i Ehoda ka nagnalavitre ilay toerana misy ireo sarin-draha vôsokitr'ireo sampy, ary noho ijany die nilefa tagny Seirata ijy. 27Laha tonga ijy, die nitsoke ny trompetra raike teo amin'ny tany ambon'ny Efraima. Ka nijotso niaraka tamin'ajy avy agny amin'ny tany ambo ny vahôkan'i Israely, ary ijy nitarika an-dreo.28Hoy ijy tamin-dreo hoe: "Magnaraha an'ahy, fa efa handresy ireo fahavalonareo Yaveh, die ireo Moabita. "Nagnaraka an'ajy areo ary nanambotre ireo fitsahan'i Jordana fandalovan'ireo Moabita, ary tsy namela an'ija n'ija hitsaka ny ranobe areo. 29Tamin'ijany fotôgna ijany die namono lelahy Moabita teo amin'ny iray aligna teo areo, ary lelahy natanjake sy mahavita ajy ijy abiaby. Tsy nisy afa-nilefa. 30Ary tamin'ijany andro ijany Moaba die resin'ny tanjak'Israely, ary nilamigna mandritre ny valopolo taogna ny tany.31Tafaran'i Ehoda die i Samgara janake lahin'i Anata ijay namono olo 600 tamin'ny Filistina tamin'ny hajo fanindromana biby fiompe no mpitsara magnarake. Nagnafake an'i Israely tamin'ny loja mandy koa ijy.
Chapter 4

1Tafaran'ny nahafaty an'i Ehoda die nagnano ijay ratsy teo imason'i Yaveh indraike ny vahôkan'Isarely. 2Namidin'i Yaveh teo an-tagnan'i Jabina mpanjakan'i Kanana ijay nanjake tao Hazora areo. Ny agnaran'ny mpitari-tafiny die i Sisera, ary nidoboke tao Harosetan'ireo Jentilisa ijy.3 Niantso vonjy mahare tamin'i Yaveh ny vahôkan'iIsraely, satria nanagna kalesy vy sivinjato Sisera ary nampahory ny vahôkan'i Israely tamin-kery nandritre ny rôpolo taogna ijy.4ry Debora, mpaminany vavy (vadin'i Lapidota). no nitarike ny fitsarana tao Israely tamin'ijany fotôgna ijany. 5Zatre nidoboke teo ambany rofian'i Debora agnelagnelan'i Rama sy betela tao amin'ny tany ambon'i Efraima ijy, ary ny vahôkan'i Israely nenga agny amin'ajy mba hametrake ireo fifandiran-dreo tamin'ajy.6Nagnirake an'i Baraka janaka lahin'i Abinoama avy agny Kadesy ao Naftaly ijy. Hoy ijy tamin'ajy: "Yaveh, ny Andriamanitr'Israely, mandidy anao hoe: 'Mandehana agny an-tetin'i Tabara, ary mitondra lelahy iray aligna avy ao Naftaly sy Zebolona. 7Hagnatsôke an'i Sisera, mpitari-tafik'i Jabila Iaho, mba hihaogna eo amin'ny ranoben'i Kisona, miarake amin'ireo kalesiny sy ireo tafikany, ary hagnome anao fandresena an-dreo Iaho."8oy Baraka tamin'ajy: "Laha miarake amin'ahy anao die handeha iaho, nefa laha tsy miarake amin'ahy anao, die tsy handeha iaho. 9Hoy ijy: "hiarake aminao tokôtre iaho. Na ijany aja, ny lalagna ijay handehananareo die tsy hitarike anareo agny amin'ny voninahitrareo, fa hivarotre , an'i Sisera eo an-tagnan'ny viavy i Yaveh. "Die niakatre Debora ary niarake tamin'i Baraka nenga agny Kadesy.10Nangaike ireo lelahin'i Zebolona sy Naftaly mba hiarake ho agny Kadesy i Baraka. Lelahy iray aligna no nagnarake an'ajy, ary niarake tamin'ajy i Debora.11Ary Hebera (ilay Kenita) nisarake tamin'ireo Kenita-taranak'i Hobaba areo (rafojan-dahin'i Mosesy) _ary nagnorina ny lainy teo amin'ny terebinta tagny Zanamina akekin'i Kadesy ijy.12ha nijakain-dreo tamin'ny Sisera fa niakatre tagny an-tetin'i Tabara i Baraka janake lahin'i Abinoama, 13die nangaike mahare ireo kalesiny abiaby i Sisera, kalesy vy sivinjato, ary ireo miaramila abiaby ijay niarake tamin'ajy, hatreo Harosetan'ny Jentilisa ka lahatagny amin'ny Renobe isona.14Hoy Debora tamin'i Baraka:"Mandehana! Fa itoy no andro ijay nagnomejan'i Yaveh fandresena anareo eo amin'ny Sisera. Moa ve tsy mitarike anareo i Yaveh?" Die nijotso avy tegne an-tety Tabara niarake tamin'ireo lelahy iray aligna nagnarake an'ajy i Baraka.15mpifanjevoan'i Yaveh ireo tafik'i Sisera, ireo kalesy abiaby, ary ireo tafiny abiaby. Nanafike an-dreo ny lelahin'i Baraka ka nijotso tamin'ny kalesiny i Sisera ary nitsôke an-kongotre. 16Fa nanjahin'i Baraka lahatagny Harosetan'ny Jentilisa ireo kalesy sy ny tafika, ary ny tafik'i Sisera manontolo die novonoina tamin'ny lelan-tsabatre, ary tsy nisy niangagna na die lelahy raike aja.17Nefa Sisera nilefa an-kongotre tany agny amin'ny lain'i Jaela, vadin'i Hebera Kenita, satria nihavagna i Jabina mpanjakan'i Hazora, sy ny ankohonan'i Hebera Kenita. 18Nivôke hihaogna amin'i Sisera i Jaela ary nagnano tamin'ajy hoe: "Mivilia, ry tompoko, mivilia atoy amin'ahy ary aja matahotre."Die nivily tagny ijy ka niditre tao amin'ny lainy, ary norakofany tamin'ny bodofotsy ijy.19y ijy tamin'ajy: "Mba omeo rano kely hinomina re iaho, fa maka." Nanokatre kitapon-dronono hoditre ijy ary nagnome an'ajy hinomina, avy eo die norakofany indraike ijy. 20Hoy ijy tamin'ajy; "mitsangana eo am-baravaran'ny lay. Laha misy olo tonga ary magnontany anao hoe:'Misy olo ve ato? , die jakay hoe: Tsiare."21Ary Jaela (vadin'i Hebera) nangala tsatokan-day sy tantagnana tegne an-tagnany ary niditre an-tsokosoko tao amin'ajy, fa tao agnaty torimaso laligna ijy, ary nikapoke ny tsatokan-day tamin'ny tantagnana teo amin'ny faritry ny lohany ijy ary nitsatoke tamin'ny tany, die maty ijy.22 Laha nagnajake an'i Sisera i Baraka, die nagniry ny hivôka hihaogna amin'ajy i Jaela ary nagnano tamin'ajy hoe: "Avia, habokako anao ny lelahy rombejinao." Die niarake niditre tamin'ajy ijy, ary io Sisera maty .nitsirara, miarake amin'ny tsatokan-day teo agnilan'ny lohany.23 tamin'ijany andro ijany no nandresen'A andriamanitra an'i Jabina, mpanjakan'i Kanana, teo alohan'ny vahôkan'i Israely. 24Ny herin'ny vahôkan' Israely die nihanatanjaka fehijay eo alohan'ny mpanjakan'i Kanana, mandra-pandringanan-dreô an'ajy.
Chapter 5

1Tamin'ijany andro ijany Debora sy Baraka janak'i Abinoama die nihira itoy hira itoy: 2"Laha mitarike ireo mpitarike ao Israely, laha manolo-tegna am--pifaliana ho amin'ny ady ny vahôka die midera an'i Yaveh antsena!3Mitenoa, anareo mpanjaka! mifantoha, anareo mpitarike! Iaho, iaho die hihira ho an'i Yaveh; hihira fiderana ho an'i Yaveh, ilay Andriamanitr'Israely iaho. 4Yaveh, laha nivôke avy tagny Seira Anao,laha nandeha avy tagny Edoma anao die nihorohoro ny tany, ary nihovitrovitre koa ny lanitra; art ny rahogna nandatsake rano mandy koa.5Nihovitrovitre teo ankatrehan'i tavan' i Yaveh ny tety: eke na ny tety Sinay aja nihovitrovitre_teo ankatrehan'ny tarehin'i Yaveh, ilay Andriamanitr'Israely. 6Tamin'ny andron'i Samgara ( janake lahin'i Anata), tamin'ny andron'i Jaela, nilojana ireo lalam-be ary ireo ijay nandeha mandy no nampiasa ireo sakeli-dalagna miolakolake.7Vitsy ny mpiady tagny Israely, mandra-panapahako, iaho Debora_ilay reny nanapaka tao Israely!8 fony areo nisafidy ireo andriamanitra vaovao,die nisy ady teo amin'ny vavahadin'ny tanàna kanefa tsisy ampinga na lefogna hita teo amin'ireo olo efatre aligna tao Israely.9Ny foko mankasitrake ny mpanapake ny Israely, miarake amin'ireo vahoke ijy nanolo-tegna ampifaliana-isaorantsena Yaveh noho areo! 10Eritrereto ijao-anareo ijay mideba ampondra fotsy midoboke eo amin'ny lamba ho solon'ny lasely, ary anareo ijay mandeha amin'ny lalagna.11tenoy ny feon'ireo ijay mihira eo amin'ny tany fanondrahana. Agny no ilajan-dreo indraike ny fahamarinan'ny asan'i Yaveh, sy ny fahitsian'ny asan'ireo mpiadiny tany Israely. Avy eo die nijotso teo amin'ny vavahadin'ny tanana ireo vahokan'i Yaveh.12Mifohaja, mifohaja, et Debora! Mifohaja mifohaja, mihira fihirana! Mitsangàna, ry Baraka, indôsy ny vôfonjanao, anao ry janake lahin'i Abinoama. 13Avy eo die nijotso teo amin'ireo olo-manan-kaja ireo sisa velogna; nijotso nenga eo amin'ahy tamin'ireo mpiady ny vahôkan'i Yaveh.14Avy tagny Efraima areo, ny fototran-dreo die agny Amaleka; nagnarake anareo ireo vahôkan'i Benjamina. Nijotso avy agny Makira ireo mpifehy, ary avy agny Zebolona ireo ijay mitondra ny tehign'ny manam-boninahitra.15Niarake tamin'i Debora ireo andriako tao Isakara; ary Isakara niarake tamin'i Baraka nikoropaka nagnaraka an'ajy tagny an-dohasaha okay teo ambany fifehejany. Tao amin'ireo fokon'i die nisy fikasan'ny fo lehibe.16Nagnino anao no midoboke eo agnivon'ny vala, miteno ireo mpiarakandro ondry mitsoke ny sodigne ho an'ireo ondry aman'osy? Laha ny amin'ny fokon'iRobena die nisy fikasan'ny fo lehibe.17Nijanogna tagny an-dafin'i Jordana i Gileada; ary Dana, nagnino ijy no nivejivejy tegne ambony sambo? Nijanogna tegne amoron-dranomasina i Asera ary nitoetre tegne akekin'ny seragnan-tsambo. 18Zebolona die foko nagnano vy very ny aigny lahatamin'ny fahafatesana,ary Naftaly, mandy koa, die teo amin'ny sahan'ady.19T0nga ireo mpanjaka, niady areo; niady tagny Tanaka teo amorogn'ny ranon'i Megido ireo mpanjakan'i Kanana.Nefa tsy nangala volafotsy ho Robaina areo. 20Avy egne amin'ny lanitra no niadian'ireo kintagna, avy egny amin'ny lalan-dreo nagneragna ny lanitra no niadian-dreo tamin'i Sisera.21faoke an-dreo ny ranoben'i Kisona, ilay ranobe fahagola, ilay ranoben'i Kisona. Mandrosoa fehijay ry fagnahiko, matanjaha! 22Ary die nikatrokatroke by kitron'ilay sôvaly-mihajakajake, die ny fihajakajahan'ireo maheriny.23Ojogny Meroza! hoy ny anjelin'i Yaveh.Ojogny die ojogny ny mponigna ao amin'ajy! - satria areo tsy tonga mba hagnampy an' Yaveh- hagnampy an'Yaveh amin'ny ady hanohitre ireo mpiady mahere.'24tahy mihôtre noho ireo viavy abiaby i Jaela, Jaela (ilay vadin'i Hebera Kenita), vôtahy , mihôtre noho ny viavy abiaby ijay mitoetre ao an-day ijy. 25Rano no nangatahin-dralelahy, ary ronono no nomeny an'ajy; nitondrany dibera teo am-bilia natokagna ho an'ny andriana ijy.26Napetagny teo amin'ny tsatokan-day ny tagnany, ary ny tagnany havanagna tamin'ny tantagnan'ny mpiasa; die namely an'i Sisera tamin'ilay tantagnana ijy, notorotorôny ny lohany. Laha nandefogna ny fihirifany die nopotipotehiny ho torotoro ny karan-dohany. 27Lavo teo agnelagnelan'ny hongony ijy, lavo ijy ary nidaraboke teo. Teo agnelagnelan'ny hongony ijy no nitsirara. teo amin'ny toerana namonoana an'ajy tamin-kerisetra no nahalavo an'ajy.28NIjaha teo an-kôke ijy - nijaha teo amin'ny makarakaran'ny hôke ny endrin'i Sisera ary nangaike mahare tamin'ny alahelo hoe: Nagnino no ela lôtre vao tonga ny kalesiny? Nagnino ny kitron'ny sôvaliny ijay mitarike ny kalesiny no mitaredretre?29maly ny hendry indrindrake tamin'ny andriambaviny, ary ijy tegnany mandy no namaly an'ajy hoe: 30" Tsy efa nahita sy nijara babo ve areo? Viavy raike, na viavy roe ho an'ny isan-dahy; fandrobana lambamena ho an'i Sisera, fandrobana lamba mena misy peta-kofehy, lamba mena roe misy peta-kofehy ho eo am-bojogn'ireo nandroba?31Ho ringagna anie ny fahavalonao abiaby, ry Yaveh! Fa ireo akamanao koja die ho hôtrin'ny masoandro laha miposake amin'ny heriny. " Die nandry nandritre ny efapolo taogna ny tany.
Chapter 6

1agnano ijay ratsy teo imason'i Yaveh ny vahôkan'Israely, ary natolony teo an-tagnan'i Midiana nandritre ny fito taogna areo. 2Nampahory ny Israely ny fahefan'i Midiana. Nohon'ny amin'ny Midiana, die nagnano fialofana ho an-dreo tao amin'ny johy tegne amin'ny tany ambo, tany an-dava-bato, ary tao amin'ny fiarovana mafy ny vahôkan'Israely.3ry isaky ny mamboly ireo vokany ny Israelita, die nanafike an-dreo ny Midianita sy ny Amelikita ary ny olo avy agny atsignanagna. 4Nametrake ny tafiny teo amin'ny tany areo ary namotike ireo vokatra, tegne amin'ny lalagna abiaby menga agny Gaza. Tsy namela hanina ho an'ny Israely, na ondry,na biby fiompe, na ampondra areo.5saky ny miakatre areo sy ny biby fiompine ary ny lainy, die hôtrin'ny andiam-balala ny fiavin-dreo, ary tsy tambo isaina na ny olo na ireo ramevany. Nanafike ny tany mba hamotehana an'ijany areo. 6Tena nampaosa an'ireo Israelita tokôtre ny Midiana hany ka nangaike mahare an'i Yaveh ny vahôkan'Israely.7Laha nangaike mahare an'i Yaveh ny vahôkan'Israely nohon'ny amin'ny Midiana , die nandefa mpaminany ho an'ny vahôkan'ny Israely i Yaveh.Hoy ny mpaminany tamin-dreo hoe: " 8Ijao no jakain'i Yaveh, Andriamanitr'Israely: 'Nitondra anareo niakatre avy tagny Egypta Iaho; nitondra anareo nivôke avy tao amin'ny tragno fanandevojagna Iaho.9Namonjy anareo teo amin'ny tagnan'ny Egyptiana, sy teo amin'ny tagnan'ireo abiaby ijay nampahory anareo Iaho. Nandrôke an'ajy regne teo alohanareo, sy nagnome ny taniny ho anareo Iaho. 10Hoy Iaho taminareo hoe: " Iaho no Yaveh Andriamanitrareo; mandidy anareo tsy hanompo ny Andriamanitry ny Amorita, agny amin'ny tany honegnanareo Iaho. " Nefa tsy nankato ny feoko anareo."'11y tonga ny anjelin'i Yaveh ka nidoboke teo ambanin'ny hajo terebinta tao Ofra, ijay an'i Joasy (ilay Abiezrita), laha nagnasarake ny vary tamin'ny fikapohana an'ijany tamin'ny tany, teo amin'ny famiajana divay i Gideona, janak'i Joasy_ mba hagnavoniana an'ijany amin'ireo Midianita. 12Nibôke tamin'ajy ilay anjelin'i Yaveh ka nijaka tamin'ajy hoe: "Momba anao i Yaveh, ry mpiady mahery!"'13Hoy Gideona tamin'ajy: " Indrisy ry tompoko, nagnino no mibôke aminay ijao abiaby ijao? Aja ireo asa mahagaga ijay nojakain'ny rajagnay taminay, tamin-dreo nijaka hoe: "Tsy nitondra anay niakatre avy tagny Egypta ve i Yaveh?' Nefa ankehitriny die efa nahafoy anay ka nanolotre anay teo an-tagnan'i Midiana i Yaveh."14Nijaha an'ajy Yaveh ka nijaka hoe: "Mandehana amin'ijao hery efa anagnanao ijao. Afaho eo an-tagnan'i Midiana i Israely. Tsy efa nagniraka anao ve iaho?"15 Hoy Gideona tamin'ajy: "Akory re ry Tompo no hamonjeko an'i Israely? Io ny fianakaviako no marefo indrindrake ao amin'ny Manase, ary iaho no farany tsy manan-danja indrindrake ao an-dragnon'iabako.16Hoy Yaveh tamin'ajy: " Homba anao iaho, ary handresy ny tafiky ny Midianita manontolo hôtran'ny olo raike anao." 17Hoy Gideona tamin'ajy, laha mahita fitia aminao iaho, die omeo famantarana iaho fa anao tokôtre no mijaka amin'ahy. 18Aja miala eto re, mandra-piaviko eto aminao hitondra ny fagnomejana ary hametrake an'ijany eo alohanao. "Hoy i Yaveh:" Handigny Iaho mandra-pipody anao."19Ary lasa i Gideona ka nagnomagna janak'osy ary avy tamin'ny lafarinina eran'ny efaha no nanôvany mofo tsy misy masirasira. Nataony tao agnaty tanty ny hena, ary nataony tao agnaty vilagny ny rony die nindôsiny teo ambanin'ny hajo terebinta, ary nabôkany an-dreo. 20Hoy ny anjelin'Andriamanitra tamin'ajy: "Reso ny hena sy ny mofo tsy misy masirasira ka apetraho eo ambonin'itoy vatolampy itoy areo, ary araraho ho eo amin'ireo ny rony. " Die ijany no nmboarin'i Gideon.21Ary ny anjelin'i Yaveh nagninjitre ny tendron'ny tehigna tamin'ny tagnany. Tamin'ijany no nikasihany ny hena sy ny mofo tsy misy masirasira; nisy afo niakatre avy tao amin'ny vatolampy ka nandevogna ny hena sy ny mofo tsy misy masirasira. Avy eo die lasa ny anjelin'i Yaveh ka tsy nahita an'ajy koa i Gideona.22Ary GIdeona nahafantatre fa anjelin'i Yaveh ijy. HoyGideona hoe: " Oh, ry Yaveh Andriamanitra! Fa nifanatri-tava tamin'ny anjelin'i Yaveh iaho! 23Hoy Yaveh tamin'ajy: "Fiadagnana anie ho anao! Aja matahotre, fa tsy ho faty anao." 24Ary nagnambôtre alitara ho an'i Yaveh teo i Gideona. Nangehany hoe: " Yaveh die fiadagnana" ijany. Mandrake androany die mbola mitsangagna ao Ofran'ny fokon'i Abierzrita ijany.25y tamin'ijany aligna ijany die hoy Yaveh tamin'ajy: '' Alay ny aombe lahin'i abanao, die ny aomby lahy faharoa ijay efa fito taogna, ravao ny alitaran'i Bala ijay an'ny abanao, ary tapaho ny Aseraha ijay eo agnilan'ijany. 26Manangana alitara ho an'i Yaveh Andriamanitrao eo amin'ny tampon'itoy toerana fialofana itoy, die aoregno arake ny tokony ho ijy ijany. Atolory ho fanatitra ôrona ny aombe lahy faharoe, amin'ny fampiasana ny hajo avy amin'ny Aseraha ijay nokapainao.27Ka die nangala folo tamin'ireo mpanompony i Gideona ary nangnano arake ijay nijakain'i Yaveh tamin'ajy. Ary satria natahotre lôtre ny ankohonan'i abany sy ireo lelahy tao an-tanàna ny hagnano ijany mandritre ny andro ijy, die nataony nandritre ny aligna ijany.28Laha maraigna lefa nifoha ny lelahy tao an-tanàna, die efa rava ny alitaran'i Bala; ary ny Aseraha teo agnilany die vôkapa, ary ny aombe lahy faharoe die natao fanatitra teo amin'ny alitara ijay vao naorigna. 29Ny lelahy teo an-tanàna die nifampivoria hoe: '' Ija no nagnano an'ijao?'' Laha nivoria tamin'ny hafa ijy ka nandrembe ijay valiny, die hoy areo: ''Gideona janak'i Joasy no nagnano an'ijao raha ijao.''30Ary ireo lelahy tao an-tanàna tamin'i Joasy hoe: ''Avoahy ny janakao mba ho vonoina ho faty, satria noravany ny alitaran'i Bala, ary satria nokapainy ny Aseraha teo agnilan'ijany.''Hoy i Joasy tamin'ireo abiaby ijay nanohitre an'ajy hoe: ''Hifona ny raha misy ho an'i Bala ve anareo? Hamonjy an'ajy ve anareo? N'ija n'ija hifona ho an'ajy, die ôke ijy ho vonoina ho faty laha mbola maraigna koa. Laha Andriamanitra i Bala, ôke ijy hiaro ny tegnany laha noravan'olo ny alitarany. '' Ary tamin'ijany andro ijany i Gideona die nangehan-dreo hoe: '' Jerobala,'' satyria hoy ijy hoe ''Ôke hiaro ny tegnany i Bala. '' satria efa nandrava ny alitaran'i Bala i Gideona.33Ary ny Midianita sy ny Amelikita ary ny olo abiaby avy agny antsignanana die niara-nivory. Nitsake an'i Jordana areo ary nitoby teo amin'ny lohasahan'i Jezirela.34Fa tonga tamin'ny Gideona ny fanahin'i Yaveh. Nitsoke ny trompetra, nangaike ny fianakaviam-ben'i Abiezrita i Gideona, mba hagnaran-dreo an'ajy. Nandefa irake eran'i Manase manontolo ijy, ary areo koa, die vôhaike mba hagnarake an'ajy. 35Nandefa irake ho an'i Asera, Zebolona, ary Naftaly mandy koa ijy, ary niakatre mba hihaogna amin'ajy areo.36Hoy Gideona tamin'Andriamanitra: ''Laha nihevitre ny hampiasa an'ahy hamonjy ny Israely anao, arak'ijay nojakainao_37 Io, iaho mametrake ny volon'ondry amin'ny famiham-bary. Laha misy ando eo amin'ny volon'ondry, ka maigna eo amin'ny tany abiaby, die ho fantatro fa hampiasa an'ahy mba hamonjy an'Israely Anao, Arake ijay nojakainao."38Hotran'ijao no nibôke _nifoha maraigna be i Gedeona ny ampitso, niara-nofiajany ny volon'ondry, ary nisy ando nivoke tmin'ny volon'ondry, ampy nahafeno lovia raik ny rano.39Ary hoy Gideona tamin'Andriamanitra hoe: "Aja vignitre amin'ahy, fa mbola hijaka indraike mandeha iaho, Avelao re iaho mba hagnandragna hampiasa indraike mandeha ny volon'ondry amin'io fotôgna io, ary ôke ho feno ando ny tany magnodidigna n'azy." 40Nagnano ijay nangatahiny Andriamanitra tamin'ijany aligna ijany. Ny volon'ondry dia maigna ary feno ando teo amin'ny tany abiaby magnodidigna an'ijany.
Chapter 7

1Die nifoha maraigna koa i Jerobala ( Gideona ijany), sy ny vahôke abiaby ijay niarake tamin'ajy, ary ny toby teo agnilan'ny loharanon'i Haroda areo. Ny tobin'ny Midiana die tao avaratran-dreo tao an-dohasaha nagnakeky ny vohitr'i More.2Die hoy Yaveh tamin'i GIdeona hoe: "Rahabe amin'ahy lôtre ireo miaramila, mba hagnomejako fandresena ho anao eo amin'ireo Midianita, mba tsy hireharehan'i Israely amin'Ahy, hanao hoe: 'Ny herinay no namonjy anay. ' 3Ary ankehitriny, ambarao eo an-tsofign'ny vahôke ka jakao hoe: 'N'ija n'ija matahotre, n'ija n'ija mangovitre, die ôke ijy hipody ka hiala ao an-tetin'i Gileada. '''Die lasa ny olo roe arivo sy roa aligna noho ijany, ary ny iray aligna koja nijanogna.4Die hoy Yaveh tamin'i Gideona hoe:"Mbola rahabe lôtre mandy ny olo indôsy mijotso egne amin'ny rano areo, ary hahegnako ho anao egne ny isan-dreo. Laha hoy Iaho aminao hoe: ' Itoy raike itoy no hiarake aminao, ' die hiarake aminao ijy,' die hiarake aminao ijy; fa laha hoy Iaho hoe:n 'Itoy raike aminao,' die tsy hiarake aminao ijy.''5Die nindôsin'i Gideona nijotso tegne amin'ny rano ny olo, ary hoy Yaveh tamin'ajy hoe: "Atokano ijay abiaby milelake ny rano, hôtran'ny ny filelaky ny amboa amin'ireo ijay mandohalike ambany mba hinogna." 6Lelahy telonjato no nilelake. Ny sisa tamin'ny lelahy koja nandohalike mba hinon-drano.7Die hoy Yaveh tamin'i Gideona hoe: " Amin'ny alalagn'ireo telonjato lahy ijay nilelake ny rano, no hagnavotako anareo, sy hgnomejako anareo ny fandresena eo amin'ny Midianita. Ôke ny lelahy hafa abiaby hipody agny an-tanàny avy." 8Ka die nangala ireo vatsiny sy ireo trompetrany ireo ijay vôfidy. Nampodian'i Gideona ny lelahin'i Israely abiaby, ny lelahy abiaby mba samy ho an-dainy, nefa notajoniny ireo telonjato lahy. Ary ny tobin'i Midiana die tao ambany tao an-dohasaha.9Tamin'io aligna io ihany die hoy Yaveh tamin'ajy hoe: ''Mifohaja! Tafio ny toby, fa homeko anao ny fandresena an'ijany. 10Fa laha matahotre ny hijotso koja anao, dia mijotsoa ao an-toby miarake amin'ny Pora mpanomponao, 11ary tenoy ijay jakain-dreo, die hatanjake ny herim-ponao amin'ny fanahina ny toby." Ary die nijotso niarake tamin'i Pora mpanompony, tao amin'ireo fiambenana ny toby i Gideona.12Ny Midianita, ny Amalekita, sy ny olo abiaby avy agny antsignana die niara-nitoetre tao an-dohasaha, rahabe die rahabe hôtran'ny andiam-balala. Tsy tambo isaina ny ramevan-dreo; rahabe nohon'ny fasike egne amoron-dranomasina areo.13Lefa tonga tao i Gideona, die nisy lelahy raike nitantara nofy tamin'ny akamany. Die hoy ralelahy, hoe: '' Io! nagnonofy iaho, ary nahita mofo hordea boribory nikodiadia tao an-tobin'i Midiana. Die tonga tao an-day ijany, sady nandogna an'ajy mafy die mafy ary lavo ka nitsambikina ambony ambany, ka die fisake. '' 14Die hoy ilay lelahy raike hoe : ''Tsinontsino ijany mihôtra ny sabatr'i Gideona( janake lahin'i Joasy), ilay Israelita. Efa nagnome an'ajy fandresena teo amin'ireo Midiana, sy ny miaramilany abiaby Andriamanitra.''15Lefa regn'i Gideona indraike ny filajana ny nofy sy ny fandikana an'ijany, die niankohoke nivavake ijy. Die nipody tao an-tobin'i Israely ijy ka nagnano hoe: '' Mifohaja! efa nomen'i Yaveh anareo ny fandresena ny miaramila Midiana.16 Die nojarainy ho vondrogna telo ny telonjato lahy, ary nomeny trompetra sy siny Kiraidraike.17Die hoy ijy tamin-dreo hoe; ''Mijaha an'ahy ka atôvy ijay ataoko. Jahao! laha tonga eo amin'ny sisin'ny toby iaho, die tsy mentsy hataonareo ijay hataoko. 18Laha mitsoka ny trompetra iaho, die iaho sy ijay abiaby miarake amin'ahy, die tsofy magnodidigna ny toby manontolo mandy koa ny trompetranareo ka mihiake hoe: Ho an'i Yaveh sy Gideona!'''19Die tonga teo an-tsisin'ny toby i Gideona sy ny jato lahy ijay niarake tamin'ajy, tamin'ny fanombohan'ny antegnategnan-dera indrindrake. Laha teo am-pamiham-bary ny mpiambiga indrindrake ireo Midianita, die notsofin-dreo ny trompetra ary novakian-dreo ny siny tegne an-tagnan-dreo.20Notsofin'ireo vondrogna telo ireo trompetra ary novakiany ireo siny. Notagnan-dreo tamin'ny tagnana ankavia ireo fanilo ary tamin-ny tagnana ankavanagna koja ireo trompetra mba hitsofana an'ijany. Die nihiake mahare areo: '' Ny sabatr'i Yaveh sy Gideona.''21 Nitsangagna nagnodidigna ny toby tamin'ny fidobohany aby ny lelahy abiaby ary nilefa ny miaramila Midiana abiaby.Die nangaingaike areo sady vaky lefa.22Laha notsofin-dreo ny trompetra telonjato, die nataon'i Yaveh nifamely tamin'ny sabatre ireo Midianita sy ny akamany ary ny tafikany abiaby. Die nilefa lahatagny Beti-Sita lahatagny Zezeraha ny miaramila, lahatagny amin'ny faritanin'i Abela-mehola, marivo an'i Tabata.23 Nangehana mahare ireo lelahin'i Israely avy agny Naftaly, Asera, ary Manase abiaby, ary nagnanjake ny Midianita areo.24Die nagnirake mpitondra hafatre nagnerana ny tany ambon'i Efraima abiaby Gideona, nagnano hoe: ''Mandehana ny mijotso hanohitre ny Midiana ka araho maso ny ranoben'i Jordana, lahatagny Beti-bara, mba hampitrehe an-dreo.'' Die niara-nivory ny lelahin'i Efraima abiaby ka nagnara-maso ireo rano, lahatagny Beti-bara sy ny ranoben'i Jordana. 25Vôsambotran-dreo ny andrian'ny Midiana roe, Oreba sy Zeba. Novoin-dreo tagny amin'ny famiajam-bôlobok'i Zeba i Zeba. Die nagnejike ny Midiana areo ary nindôsin-dreo teo amin'i Gideona ny lohan'i Oreba sy i Zeba, ijay tagny amin'ny lafiny raike hafan'i Jordana.
Chapter 8

1Hoy ireo lelahin'i Efraima tamin'i Gideona hoe : ''Ino ijao raha nataonao taminay ijao? Tsy nangaike anay anao laha nandeha niady tamin'ny Midiana. ''Nifamaly mahare tamin'ajy areo.2Hoy ijy tamin'dreo hoe: ino moa no vitako ankehitriny laha hoharina aminareo? Moa ve ny fagnangonam-boalobok'i Efraima tsy tsara loholoho mihôtre ny fambeleja-bôlobok'i Abiezera? 3Andriamanitra efa nagnome fandresena anareo teo ankatrehan'ireo andrian'ny Midiana- die Oreba sy zeba! Ino moa no vitako mihôtre ijay vitanareo? Lefy ny havignirandreo tamin'ajy laha nijaka an'ijany ijy.4onga teo amin'i Jordana i Gideona ary nitsake an'ijany sy ireo lelahy telonjato ijay niarake tamin'ajy. Rerake lôtre areo, nefa die mbola nanohy ny fagnanjahana mandy. 5Hoy ijy tamin'ireo olo tao Sokota hoe:'' Mba omeo mofo ireo olo magnarake an'ahy, satria rerake lôtre areo, ary iaho hagnanjake an'i Zebaha sy Zlamona, mpanjakan'i Midiana.6Die hoy ireo manam-pahefana hoe: ''Moa ve eo am-pelatagnanao ny tanan'i Zebaha sy Zalmona ankehitriny? Nagnino no tokony hagnome mofo ho an'ireo miaramilanao ahay? 7Hoy Gideona hoe: '' Laha omen'i Yaveh fandresena ahay manoloana an'i Zebaha sy Zalamona, die ho triariko tsilo avy agny agn'efitre sy raketa ny hoditrareo.''8Niakatre avy tao ijy mba ho agny Penoela ary nijake hôtran'ijany tamin'ny olo tao mandy koa, fa ny olo tao Penoela namaly an'ajy hôtran'ireo famalin'ny olo tao Sokota.9 Nijaka tamin'ny olon'i Penoela mandy koa ijy nagnano hoe: '' laha tafapody am-pilamignana indraike iaho, die harodako itoy tilikambo itoy.''10Ary niarake tamin'ireo miaramilany tao Karkora i Zebaha sy Zalmona, tokony ho lelahy dimy arivo sy iray aligna eo, ijay sisa abiaby tamin'ny tafikin'ny vahôke antsignanana manontolo, satria nisy lelahy 120.000 lavo ijay vôofagna hiady amin'ny sabatre.11Niakatre ilay lalagn'ny mpidoboke an-day i Gedeona, nandalo tao Noha sy Jogbeha. Nandresy ireo tafike fahavlo ij, satria tsy nagnampo ny fanafihana areo.12 Nilefa i Zebaha sy Zalmona, ary laha nagnajake an-dreo i Gideona, die voaasambony ireo mpanjaka roan'i Midiana- i Zebaha sy Zalmona- ary nampihorohorany ny tafikan-dreo manontolo.13Gideona, janake lahin'i Joasy, die nipody avy tagny amin'ny ady ary nandalo teo amin'i lalagn'i Heresa.14 Nihaogna tamin'ny jalahy raike avy amin'ny mponigna tao Sokota ijy ary nandrembe torohevitre tamin'ajy ny mombamomba ireo mpitarike ny Sokota sy ireo loholo tao, fito amby fitopolo lahy areo.15Ary tonga tao amin'ireo lelahin'i Sokota i Gideona ka nagnano hoe:'' Irôy Zebaha sy Zalmona, ijay nangalana an'ahy sy nijakanareo hoe: ' Efa nandresy an'i Zebaha sy Zalmona ve anao? Tsy fantatray fa tokony hagnome mofo an'ireo tafikanao ahay.''' 16Nalain'i Gideona ireo loholo tao amin'ilay tanàna, ary nofejiny tamin'ireo tsilo avy lahatagny an'efitre sy raketa ireo lelahin'ny Sokota. 17Avy eo die narodagny ny tilikambo tao Penoela ary novonoiny ny lelahy tao amin'ijany tanàna ijany.18Die hoy Gideona tamin'ny Zebaha sy Zalmona hoe: '' Lelahy hôtran'ino no novoinareo tao Tabara? '' Namaly areo hoe: hôtrany anao mandy areo. Ny kiraidraike tamin-dreo die hôtran'ny janake mpanjaka aby koa. '' 19Hoy Gideona hoe: "Rahalahiko areo, janake lahin'ny endriko. Laha velogna koa Yaveh, laha namonjy an-dreo ho velogna anareo, die tsy namono anareo iaho.20Hoy ijy tamin'ny Jatera ( lahimatoany) hoe:" Mitsangana ary vonoy areo!'' Fa ilay jalahy tsy nagnatsôke ny sabatrany fa natahotre, satria mbola jalahy kely ijy. 21Die hoy Zebaha sy Zalmona hoe: 'Mitsangana anao ary vonoy ahay! fa araky ny toetry ny olo mandy ny heriny.'' Nitsangagna i Gideona ary namono an'i Zebaha sy Zalmona. Nalainy mandy koa ny ravake sarim-bolan-tsignana ijay teo ambojogn'ny ramevan'dreo.22y ilay lelahin'Israely tamin'i Gideona hoe: '' Manapaha anay- anao, ny janakao lahy; ary ny jafikelinao lahy- satria anao no nagnavotre anay teo amin'ny tagnan'i Midiana. '' 23Hoy Gideona tamin-dreo hoe: '' Tsy hanapake anareo iaho, na ny janako lahy koa aja die tsy hanapake anareo. fa Yaveh no hanapake anareo.24Nijaka tamin-dreo i Gideona hoe: '' Ôke iaho hagnano fangatahana aminareo: die ny hagnomejanareo an'ahy ny kavigna avy norobainy.'' ( Nanagna kavigna volamena ireo Medianita satria Ismaelita areo.) 25Namaly areo hoe: "An-kafaliana no agnomejanay an'ireo anao. " Namelatre lamba areo ary samy nanipy ireo firavake avy norobainy ny lelahy abiaby.26Ny lanjan'ny kavim-bolamena ijay nangatahiny die sekely volamena 1.700. Ijany fandrobana ijany die niampy ny ravake sarim-bolan-tsignana, ireo firavake, ny akanjo volomparasy ijay nanaovan-dreo mpanjakan'ny Midiana, ary nagnampy ny rojo ijay nagnodidigna ny vojogn',ny ramevan-dreo.27Nagnambôtre efoda avy amin'ireo kavigna i Gideona ary napetagny tao an-tananany, tao Ofra ijany, ary nampijanganjanga ny tegnany tamin'ny fanompoana an'ijany teo ny Isarely abiaby. Lasa fandrike ho an'i Gideona sy ho an'ireo ijay tao an-dragnony ijany. 28Ka die resy teo an-ketrahan'ny vahôkan'Israely ireo Midiana ary tsy nagnarigna ny lohan-dreo koa areo. Ary nilamigna nandritre ny efapolo taogna ny tany tamin'ny andron'i Gideona.29Jerobala, janake lahin'i Joasy, nandeha ka nidoboke tao an-dragnony.30 Nanagna janake fitopolo lahy ijay taranagny i Gideona, satria maro vady ijy.31 Ny vadintsindragnony, ijay tao Sekema, die namaitre jajalelahy tamin'ajy koa, ary Gideona nagnome ny agnarana hoe Abimelek.32Gideona, janake lahin'i Joasy, die maty laha tratre antitre tsara ary nalevigna tao Ofra tao amin'ny fasagn'i Joasy iabany, fokon'ny Abiezrita. 33Ary laha vô maty i Gideona, nipody indraike ireo janak'Israely ary nampijanganjanga ny tegnany tamin'ny fanompoana an'ireo Bala. Nataon-dreo ho andriamaniny i Bala-berita.34Ary ny vahôken'Israely die tsy nahatsiaro ny hagnome voninahitre an'i Yaveh, Andriamanitran-dreo, ijay nagnavotre an-dreo teo amin'ireo fahavalo abiaby magnodidigna. 35Tsy nitandrigna ny fampagnantenainy tamin'ny tragnon'i Jerobala(na Gideona) areo, mba ho valin'ny soa abiaby nataony tamin'Israely.
Chapter 9

1Nenga amin'ny havan'ny endriny tagny Sekema i Abimeleka janak'i Jerobala ary nijaka tamin-dreo sy ny fianakavian'ny endriny abiaby hoe: '' 2Mba jakao ro ijao, mba ho regnin'ny mpitarike abiaby ao Sekema: ' Ino no mety loholoho aminareo: managna ny janak'i Jerobala fitopolo lahy hanapake eo aminareo, sa raike mandy no manapake eo aminareo?' Tsarovy fa nofo sy ranareo iaho.''Nivoria tamin'ireo ,mpitarik'i Sekema ho an-dreo hava'ny endriny, ary nagneky ny hagnarake an'i abimeleka areo, satria hoy areo hoe: ''Rahalahintsena ijy. '' Nomen-dreo volafotsy madinike fitopolo avy tao an-dragnon'i Bala-berita ijy, ary nampiasain'i Abimeleka hagnaramana ireo lelahy mpandike lalana sady sahisahy ratsy ijay nagnaraka an'ajy ijany.5Nenga agny an-dragno'ny abany tagny Ofra i Abimeleka, ary novonoiny teo ambonin'ny vato raike ireo rahalahiny fitopolo, die ireo janak'i Jerobala. Jotama no sisa tavela, die ilay janak'i Jerobala faralah, satria nivony ijy. 6Niara-tonga ny mpitarik'i Sekema sy Beta-milo abiaby ka nandeha ary nagnano an'i Abimeleka ho mpanjaka, teo agnilan'ny hajo terebinta akekin'ny andry ijay agny Sekema.7Laha nijakaina ny mikasika an' ijany i Jotama, die nandeha ijy ary nitsangagna teo an-tampon'ny tetin'i Gerizima. Nangaingaike ijy ka nijake tamin-dreo hoe:'' Tenoy iaho, anareo mpitarik'i Sekema, mba hitenon'Andriamanitra anareo. 8Indraike andro die nivôke ny hajo mba hagnosotre mpanjaka raike ho eo amin-dreo. Satria hoy areo tamin'ny hajon'oliva hoe: Manjaka aminay.'9Nefa hoy ny hajon'oliva tamin-dreo: '' Tokony hafoiko ve ny diloiloko, ijay ampiasaina hagnomejam-boninahitre ireo andriamanitra sy ny olombelogna, mba hahafahako mandeha mipody, ka hitsingevaheva amin'ny hajo hafa fotsiny mandy?' 10Hoy ireo hajo tamin'ilay aviavy:' Avia ka manjaka aminay.' Fa hoy koja ilay aviavy tamin'ireo; ' 11Tokony hafoiko ve ny hamamiko sy ny voa tsarako, mba hahafahako mipody ka hitsingevaheva eo amin'ireo hajo hafa fotsiny mandy?'12Hoy ireo hajo tamin'ilay vôloboke: 'Avia ka manjaka aminay.' 13Hoy ilay vôloboke tamin-dreo hoe tokony hafoiko ve ny divay vaoavaoko, ijay mampifaly ny andriamanitra sy ny olombelogna, ka hipody ary hitsingevaheva eo amin'ireo hajo hafa?'14 Die hoy ny hajo abiaby tamin'ny t-silon-draketa: 'Avia ka manjaka aminay.'15Hoy ny tsilon-draketa tamin'ny hajo:' Laha tena te hagnosotre an'ahy ho mpanjaka eo aminareo anareo, die avia ary mandrimbeja fiarovana eo amban'ny aloko. Laha tsy ijany die ôke hivôke avy ao amin'ny tsilon-draketa ny afo ary ôke ijany hagnoro ny sederan'i Libanona.' 16Ankehitriny ary, laha nagnano ny marina sy mahitsy anareo, tamin'ny nanaovanareo an'i Abimeleka ho mpanjaka, ary laha nagnano ny tsara mahakasike an'i Jerobala sy ny ankohonany, ary laha nagnafay an'ajy arak'ijay mendrike an'ajy anareo-17- ary mihevitre fa niady ho anareo ny abako, nagnano vy very ny aigne, ary namonjy anareo tamin'ny tagnan'i Midiana- 18fa ankehitriny anareo die efa nitsangagna hanohitre ny ankohonan'iabako ary namono ireo janagny lahy, die olo fitopolo , teo ambony vato raike ijany Ary nataonareo mpanjaka eo amin'ireo mpitarik'i Sekema i Abimeleka, janak'i janaky ny mpanompo vaviny, satria havanareo ijy.19Laha nagnano ny marina sy mahitsy tamin'i Jerobala sy ny ankohonany anareo die tokony hiravoravo amin'i abimeleka, ary hamela an'ajy hiravoravo aminareo. 20Fa laha tsy ijany, die ôke hisy afo hivôke avy ao amin'i Abimeleka ka hagnoro ny olon'i Sekema sy Beta-milo. ôke hisy afo hivôke avy eo amin'ireo olon'i Sekema sy Beta-milo, mba hagnoro an'i Abimeleka. '' 21Nilefa ka nitsôke i Jotama, ary nandeha tagny Bera ijy. Nonigna tagny ijy lavitre an'i Abimeleka rahalahiny ijany.22Nanapake teo amin'i Israely nandritra ny telo taogna i Abimeleka. 23Die nandefa fagnahy ratsy teo amin'i Abimeleka sy ireo mpitarik'i Sekema Andriamanitra. Namadike ny toky ijay nanagnan-dreo tamin'i Abimeleka ireo mpitarik'i Sekema Nagnano ireo mpitarik'i Sekema. 24Nagnano ijany Andriamanitra mba ho vôvaly faty ny herisetra natao tamin'ireo janak'i Jerobala fitopolo lahy, ary ho vôtajogna ho tompon'antoka ireo olon'i Sekema satria magnampy an'ajy namono an'ireo rahalahiny areo.25Koa die nametrake olo hiambigna teo an-tampon'ny tety ireo mpitarike mba hahafahan-dreo mamely tampoke ary norobain-dreo aby koa ireo ijay nandalo teo amin-dreo teo amin'ijany lalagna ijany. Vôtatitre tagny amin'i Abimeleka ijany26Die tonga niarake tamin'ireo havany i Gala janak'i Ebeda ary nenga agny Sekema. Nanagna fitokisana tamin'ajy ny mpitarik'i Sekema. 27Nivôke tagny an-karegna areo ary nagnangogna vôloboke avy tao amin'ny tanimbôloboke, ary die nohitsakitsahiny iajny. Nagnano firavoravoana tao an-dragnon'ny andriamaniny areo, ijay nihinanan-dreo sy ninomany, ary nagnojonan-dreo an'i Abimeleka28y i Gala, janak'i Ebeda hoe: ''Ija moa i Abimeleka, ary ija i Sekema, no die tokony hanompo an'ajy antsena! Moa tsy janak'i Jerobala ve ijy? Moa tsy Zebola ve no lefiny? Tompoy ny olon'i Hamora, die ny aban'i Sekema ijany! Nagnino an-tsena no tokony hanompo an'i Abimeleka? 29Iriko mba teo ambany fifehezako itoy vahôke itoy! die ho nalaiko i Abimeleka. Die nijake tamin'i iaho hoe: Angeho ny tafikanao abiaby.'''.30Laha naharegne ny jakan'i Gala janak'i Ebeda abiaby i Zebola, manam-boninahitry ny tanana, die nirehitre ny haviignirany.31 Nandefa irake tagny amin 'i Abimeleka ijy mba hamitahana, nagnano hoe: ''Io, Gala janak'i Ebeda sy ireo havany die ho avy agny Sekema, ary magnenga ny tanana hanohitre anao ijy.32Ankehitriny ary, die mifohaja mandritre ny aligna, anao sy ireo miaramila miarake aminao, ka manomagna fanafihana tampoke agny an-karenagna.33 Ary amin'ny maraigna, vantany vao mihiratre ny masoandro, die mfohaja vao maraigna ary manôva rodobe egne amin'ny tanàna. Laha mivoke hanohitre anao ijy sy ireo olo miarake amin'ajy, die manôva ijay afakao amin-dreo.''34Koa die nifoha nandritre ny aligna i Abimeleka, sy ireo lelahy abiaby ijay niarake tamin'ajy, ary nametrake fanafihana tampoke hanohitre an'i Sekema areo- nijara ho antoko efatre ijany. 35Nivôke i Gala janak'i Ebeda teo ary nitsangagna teo amin'ny fidirana teo amin'ny vavahadin'ny tanàna. Nivôke avy ao amin'ny toerana fivoniany i Abimeleka sy ireo lelahy niarake tamin'ajy.36Laha hitan''i Gala ireo Lelahy, die hoy ijy tamin'i Zebola hoe: ''Irôy; misy olo mijotso avy agny an-tampon'ny tety! ''Hoy i Zebola tamin'ajy hoe: '' Hôtrin'olo fahitanao ireo aloke eo amin'ny tety. '' 37Die nijaka indraike i Gala ka nagnano hoe: '' Irôy; misy olo mijotso eo agnivon'ny tany, ary misy antoko raike tonga lahateo amin'ny hajo terebitan'ireo mpagnandro.''38Die hoy i Zebola tamin'ajy: ''Aja ary ireo jaka mieboebonao ankehitriny, anao ilay nijake hoe: 'Ija moa i Abimeleka ho tompointsena?' Moa ve tsy magnamavo ireo lelahy ireo anao? Mivoaha ijao ka miadia amin-dreo.''39 Nivôke i Gala ary nitarike ireo lelahin'i Sekema, ary niady tamin'i Abimeleka areo. 40Nagnanjake an'ajy i Abimeleka, ary nilefa teo alohany i Gala. Rahabe no lavon'ny ratre mahafaty teo alohan'ny fidirana teo am-bavahadin'ny tanàna.41Nitoetre tagny Amora i Abimeleka. Noteren'i Zebola hivôke an'i Sekema gala sy ireo havany. 42Ny ampitso die nivôke ho agny an-karenagna ireo vahôkan'i Sekema, ary vôtatitre tagny amin'i Abimeleka ijany. 43Nangala ireo vahôkany ijy, nijara an-dreo ho antoko telo, ary nagnomagna fanafihana tampoke tagny an-karenagna areo.Nijaha ihy ka nahita ny olo nivôke avy tagny an-tanàna ary nanafike ijy ka nahafaty an-dreo.Nanafike ary nanampigna ny fidirana teo amin'ny vavahadin'ny tanàna i Abimeleka sy ireo antoko niarake tamin'ajy. Ireo antoko roe hafa die nanafike an'ireo abiaby tagny an-karenagna ary namono an-dreo. Niady hanohitre ny tanàna abiaby tamin'ijany tontolo andro ijany i Abimeleka. Nambabo ny tanàna ijy, ary nahafaty an'ireo vahôke ijay tao amin'ijany. Narodagny ny mandan'ny tanàny ka nandrarahany sira ijany.46Laha naharegne ny momba an'ijany ireo mpitarika teo amin'ny tilikambon'i Sekema, die niditre tao amin'ny fiarovana mafin'ny tragnon'i El-berita areo.47 Nojakaina tamin'i Abimeleka fa niara-nivory tao amin'ny tilikambon'i Sekema ny mpitarike abiaby.48Nandeha niakatre tagny an-tetin'i Zalmona i Abimeleka, ijy sy ireo lelahy abiaby niarake tamin'ajy. Nangala famaky i Abimeleka ary nanapake rantsan-kajo. Napetragny teo an-tsorogny ijany ary nibeko ireo lelahy niaraka tamin'ajy hoe: '' Ijay hitanareo ataoko, malakia ka manôva hôtrany ny nataoko.'' 49Koa die nikapa rantsan-kajo ny olo abiaby ary nagnarake an'i Abimeleka. Navangongn-dreo teo amin'ny rindrign'ny tilikambo ijany, ary norôn-dreo, hany ka maty mandy koa ny olo abiaby tao amin'ny tilikambon'i Sekema, die lelahy sy viavy magnodidigna ny arivo ijany.50Die nenga agny Tebeja i Abimeleka, ary nitoby tandrifin'i Tebeja ijy ka nambabo ijany. 51Kanefa nisy tilikambo mafy tao an-tanàna, ary vaky nilefa nenga ao amin'ijany ireo lelahy sy viavy ary ireo mpitarike ny tanàna abiaby nihidy tao. Avy eo die niakatre tegne an-tafon'ilay tilikambo areo.52Nenga agny amin'ny tilikambo i Abimeleka ka niady tamin'ijany, ary niakatre nagnakeky ny varavaragn'ny tilikambo ijy mba hagnoro an'ajy. 53Kanefa nisy viavy nandatsake vato fikosoham-bary teo amin'ny lohan'i Abimeleka ka nahavaky ny karan-dohany.54 Avy eo die nangaike malaky an'ilay jalahy ijay mpitondra ny fiadiany ijy ka nijaka tamin'ajy hoe: ''Avoahy malaky ny sabatrao die vonoy aho, mba tsy hisy hijake ny amin'ahy hoe: 'Viavy no namono an'ajy, ary maty.55Laha hitan'ireo olon'Israely fa maty i Abimeleka, die nody areo,56 koa die namaly faty ny faharatsian'i Abimeleka ijay nataony tamin'iabany tamin'ny namonoany ireo rahalahiny fitopolo Andriamanitra. 57Napodin'Andriamanitra teo amin'ny lohan-dreo mandy ny faharatsian'ireo olon'i Sekema ary nanody an-dreo ny ojogn'i Jotama janak'i Jerobala.
Chapter 10

1afaran'i Abimeleka, Tola janak'i Poa janak'i Dodo, lelahy avy agny Isakara ijay nonigna tagny Samira, tagny amin'ny tany ambon'i Efraima, nitsangagna mba hagnafake an'Israely.2 Nitsara ny Israely nandritre ny telo amby roapolo taogna ijy. Maty ijy ary nalevigna tagny Samira.3Nodimbiajan'i Jaira ilay Gileadita ijy. Nitsara ny Israely nandritre ny roe amby roapolo taogna ijy.4 Nanagn'anake telopolo lahy ijay nideba ampondra telopolo ijy, ary nanagna tanàna telopolo areo, ijay angehana hoe Havota-jaira mandrak'androany, tagny amin'ny Gileada areo. 5Maty Jaira ary nalevigna tagny Kamona.6Nagnampy ny ratsy ijay nataon-dreo teo imason'i Yaveh ny vahôkan'i Israely ary nanompo ireo Bala, ireo Astarta, ireo Andriamanitr'i Arama, ireo Andriamanitr'i Sidona, ireo andriamanitr'i Moaba, ireo andriamanitry ny vahôkan'i Amona, ary ireo andriamanitr'i Filistina. Nandao an'i Yaveh areo ary tsy nanompo an'ajy koa.7 Nirehitre tamin'Israely ny havigniran'i Yaveh, ary namidiny teo an-tagnan'ireo Filistina sy teo an-tagnan'ireo Qmonita areo8Namotike sy nampahory ny vahôkan'Israely areo tamin'ijany taogna ijany, ary nampahorian-dreo nandritre ny valo ambin'ny folo taogna ny vahôkan'Israely abiaby ijay tagny andafin'i Jordana tagny amin'ny tanin'ireo Amorita, ijay agny Gileada. 9Ary die nitsaka an'i Jordana mba hiady tamin'ny Joda, tamin'i Benjamina, ary tamin'ny ankohonan'ni Efraima ireo Amorita, mba hampahory mafy an'Israely.10Die nangaike mahare an'i Yaveh ny vahôkan'Israely, nagnano hoe: ''Efa nanota taminao ahay ary nanompo ireo Bala.''11 Hoy i Yaveh tamin'ny vahôkan'Israely: ''Tsy nagnafaka anareo tamin'ireo Egyptiana, Amorita, Amonita, Filistina, 12ary koa tamin'ireo Sidoniana ve Iaho? Nampahory anareo ireo Amalekita sy ireo Maonita; die nangaike mahare an' Ahy anareo, ary nafahako tamin'ny herin-dreo anareo.13Die mbola nandao an'Ahy indraike anareo ary nanompo ireo andriamani-kafa. Noho ijany, tsy hagnampy ny fotôgna hagnafahako anareo 14Iaho.Mandehana ary angeho mahare ireo andriamanitra ijay notompoinareo.Avelao ijy ireo hagnavotre anareo laha misy olagna anareo.15Hoy ireo vahôkan'Israely tamin'i Yaveh: Nagnota ahay. Atôvy aminay n'ino n'ino mety ho tsara Aminao. Fa koja mba avoty re ahay amin'itoy andro itoy. 16Die nangala ireo andriamanitra tsy ijy teo amin-dreo ary nanompo an'i Yaveh. Ary tsy jakan'i Yaveh koa ny fahorian'Israely.17Die niara-nivory ireo Amonita ary nanangagna toby tao Gileada. Die niara-tonga ireo Israelita ary nanangagna ny tobiny tagny Mizpa. 18Ireo mpitarika ny vahôkan'i Gileada nifampivoria hoe: ''Ija ilay lelahy ijay hanomboka hiady amin'ireo Amonita? ho lasa mpitarika ireo abiaby ijay nitoetra tagny Gileada ijy
Chapter 11

1Ary Jefta ilay Gileadita die mpiady mahery, kanefa janaka mpivaro-tegna ijy.Gileada no abany. 2Namaitre ireo janagny lahy hafa koa ny vadin'i Geleada. laha lehibe ny janaky ny vadiny, die noteren-dreo handao ny tragno i Jefta sady nagnano tamin'ajy hoe: ''Tsy handova n'ino n'ino avy amin'ny fianakavianay anao. Janaky ny viavy hafa anao'' 3Noho ijany die nitsôke an'ireo rahalahiny Jefta ary nonigna tagny amin'ny tanin'i Toba. Nisy lelahy tsy mpagnara-dalana nagnatogna an'ajy ka tonga areo ary nandeha niarake tamin'ajy.4ndro vitsy taty afara, die niady tamin'Israely ny vahôkan'i Amona. 5Laha niady tamin'Israely ny vahôkan'Israely ny vahôkan'i Amona, die tonga nitondra an'i Jefta avy agny amin'ny Toba hipody ireo loholon'i Gileada. 6Hoy areo tamin'i Jefta hoe: ''Avia ary meteja ho mpitarike anay mba hahafahanay miady amin'ny vahôkan'i Amona.7oy Jefta tamin-dreo mpitarike an'i Gileada hoe : '' Nankahala an'ahy anareo ary nanery an'ahy handao ny tragnon'iabako. 8Nagnino anareo ankehitriny no menga atoy amin'ahy laga ao agnaty olagna? Hoy ireo loholon'i Gileada tamin'i Jefta hoe: ''Ijany no antony hitodihanay aminao aùinao niany; andao hiaraka aminay ary hiady amin'ny vahôk'i Amona, ka ho tonga mpitarike amin'ijay abiaby monigna ao Gileada anao.''9Hoy Jefta tamin'ireo loholon'i Gileada hoe: '' Laha indôsinao mody mba hiady amin'ny vahôkan'i Amona indraike aho, ary laha omen'i Yaveh fandresena antsena, die ho mpitarike anareo iaho.''10 Die hoy ireo loholon'i Gileada tamin'i Jefta hoe: ''Yaveh anie ho vavolombelogna eo amintsena sy anao laha tsy magnano arake ijay jakaintsena antsena!''11 Noho ijany die lasa niarake tamin'ireo loholon'i Gileada i Jefta, ary nataon'ny vahôka ho mpitarike sy mpibeko an-dreo ijy. Laha teo ankatrehan'i Yaveh tagny Mizpa ijy, die namerigna ireo fampagnantenana abiaby nataony i Jefta.12Avy eo i Jefta nagnirake mpitondra hafatre ho an'ny mpanjakan'ny vahôkan'i Amona, magnano hoe : ino itoy ady eto amintsena itoy? Nagnino anao no tonga tamin-kery hangala ny taninay?'' 13Die namaly an'ilay mpitondra hafatr'i Jefta ilay mpanjakan'ny vahôkan'ny Amona hoe: ''Satria tamin'ny vahôkan'i Israely nivôke avy tagny Egypta, die nalain-dreo ny taniko lahatagny Arnona ka lahatagny Jaboka, ka lahatagny Jordana. Ankehitriny ampodio am-pilamignana ireo tany ireo.''Die nandefa mpitondra hafatre ho agny amin'ilay mpanjakan'ny vahôkan'i Arnona indraike i Jefta, 15ary hoy ijy hoe: '' ijao no ambaran'i Jefta: Tsy nalain'i Israely ny tanin'i Moaba sy ny tanin'ny vahôkan'i Amona,16 fa niakatre avy tagny Egypta areo, ary Israely nandeha namakivaky ny efitre nenga agny amin'ny Ranomasina Mena sy tagny Kadesa.17Laha nandefa mpitondra hafatre ho agny amin'ny mpanjakan'i Edoma i Israely; nagnano hoe: 'Miangavy rô mba abelao ahay handalo eo amin'ny taninareo,' die tsy niteno ilay mpanjakan'i Edoma. Nandefa mpitondra hafatre tagny amin'ny mpanjakan'ni Moaba koa areo, fa nanda ijy. Noho ijany die nijanogna tao Kadesy i Israely. 18Die nandeha tagny an'efitre areo ary nivily an'ilay tanin'i Edoma sy ny tanin'i Moaba, ka nandeha nagnaraka ny morony antsignanan'ny tany Moaba ary nitoby tao amin'ny ilany ampitan'i Arnona. Fa tsy nandeha nenga agny amin'ny faritanin'i Moaba areo, satria sisin-tanin'i Moaba i Arnona.19Ary Israely nandefa mpitondra hafatre tagny amin'i Sihona; mpanjakan'ireo Amorita; ijay nanjake tany Hesbona; hoy Israely tamin'ajy hoe' Miangavy, abelao ahay mba hiampita ny taninao menga agny amin'ny toerana ijay anay.' 20Kanefa tsy natoky an'Israely hiampita ny faritaniny i Sihona. noho ijany die nangonin'i Sihona ny tafiny abiaby ary nafindrany tagny Jahaza ijany, ary tagny ijy no niady tamin'Israely.21Ary Yaveh, ilay Andriamanitr'i Israely, nanolotre an'i Sihona sy ny vahôkany abiaby teo am-pelatagnan'i Israely ka resiny areo. Noho ijany die nalain'i Israely ny tanin'ireo Amorita abiaby ijay nonigna tao amin'ny firenena ijany. 22Nalain-dreo aby koa ny raha abiaby tao amin'ny faritanin'ireo Amorita, ary lahatagny Arnona ka lahatagny Jakoba, ary lahatagny an'efitre ka lahatagny Jordana.23Ary tafaran'ijay Yaveh; ilay Andriamanitrtr'Israely, die nandrôke ireo Amorita teo ankatrehan'i Israely vahôkany, ka tokony ho hangala ho fanagnany ny tanin-dreo ve anao ankehitriny?24 Moa tsy hangala ny tany ajay nomen'i Kemosy, andriamanitrao ho anao ve anao?Noho ijany n'ino n'ino tany omen'i Yaveh andriamanintsena antsena, die ho alaintsena. 25Koa tsara noho i Balaka janaka lahin'i Zipora, mpanjakan'i Moaba ve anao ? Sahy niady hevitre tamin'i Israely ve ijy? Sahy nanangagn'ady tamin-dreo ve ijy?26Laha nidoboke nandritre ny telonjato taogna tagny Hesbona sy ireo jana-bohiny i Israely, ary tagny Aroera sy ireo jana-bohiny, sy tany amin'ireo tanàna abiaby ijay egne amorogn'i Arnona-koa nagnino anareo no tsy nitondra an-dreo nipody tamin'ijany fotôgna ijany? 27Tsy nagnano ratsy anareo iaho fa anareo koja magnano ratsy an'ahy amin'ny fanafihana an'ahy. Yaveh, ilay mpitsara, no hanapa-kevitre niany ny amin'ny vahôkan'i Israely sy ny vahôkan' Amona.'' 28Nefa tsy niraharaha ny fampitandremana ijay nalefan'i Jefta tagny amin'ajy ny mpanjakan'ny vahôkan'i Amona.29Avy eo tonga tao Jefta ny Fanahin'i Yaveh, ka nandao an'i Gileada sy Manase ijy, die nandalo an'i Mizpa agny Gileada, ary avy ao Mizpa an' i Gileada ijy die nandalo ny vahôkan'i Amona. 30Nagnano voady tamin'i Yaveh i Jefta ary nagnano hoe: "Laha omenao fandresena eo amin,'ny vahôkan'i Amona iaho, 31die n'ino n'ino mivôke ny varangaran'gny tragnoko mba hitsena an'ahy laha mipody am-piadagnana avy agny amin'ny vahôkan'i Amona iaho, die ho an'i Yaveh, ary hatolotro ho fanatitr orôna ijany.''32Ary die nandalo teo amin'ny vahôkan'i Amona i Jefta mba hiady hanohitre an-dreo, ary nomen'i Yaveh an'ajy ny fandresena. 33Nanafike an-dreo ijy ary nahatonga famonoana lehibe tao Aerora ka lahatagny Minita- Tanàna rôpolo- ka lahatagny Abela-Keramina. Ka die tao ambany fifehejan'Israely ny vahôkan'Israely ny vahôkan'i Amona.34nga tao an-dragnony tagny Mizpa i Jefta, ary nivôke avy tao ny janagny vavy mba hitsena an'ajy amin'ny apongatapake sy dihy. Ijy rerike no hany janagne, ary ankôtran'ajy die tsy nanagna janake lahy na vavy ijy. 35Vantany vao hitany ijy, die norovitiny ny sikignany ary hoy ijy hoe: ''Indrisy! Ry janako vavy! notorotoroninao tamin'alahelo aho! satria nanao fanta tamin'i Yaveh iaho, die tsy afake mipody amin'ny fampagnantenako.''36ijy tamin'ajy hoe: ''Ry iabako, nagnano voady tamin'i Yaveh anao, atôvy amin'ahy ny raha abiaby nampagnatenainao, satria efa namaly faty an'ireo fahavalonao, die ireo Amorita i Yaveh. ''Hoy ijy tamin'iabany hoe: 37''Ôke hitajomina ho an'ahy ijany fampagnantenana ijany. Abelao ho rerike mandritre ny roe volagna iaho, mba hahafahako mandao ka mandeha mijotso menga agny aminireo tety ary hitagny ny maha-virijiny an'ahy, iaho sy ny fangoraham-poko.''38y ijy hoe: ''Mandehana.'' Nalefany nandritre ny roe volagna ijy. Die nandao an'ajy rajajaviavy, ijy sy ny fangoraham-pony, ka nitomagny ny maha-virijiny an'ajy tagny amin'ny tety.39 Laha vita ny roa volagna die nipody tagny amin'iabany ijy, ijay nagnano tamin'ajy arake ny voady fampagnantenana ijay nataony. Ary tsy mbola niara-niandry tamin'ny lelahy ijy, ka lasa fomba fanao isan-taogna tao Israely 40fa hamerigna hitantara ijany tantaran'ny janakavavin'i Jefta ilay Gileadita ijany, mandritre ny efatr'andro, ireo janakavavin'i Israely.
Chapter 12

1Nisy haike tonga ho an'ireo lelahin'i Efraima; namakivaky an'i Zafona areo sady nijaka tamin'i Jefta hoe: ''Nagnino anao no nandeha hiady amin'ny vahôkan'ny Amona ary tsy nangaike anay hiarake aminao? Horônay anao sy ny tragnonao.2 Hoy Jefta tamin-dreo hoe: ''Iaho sy ny vahôkako die nanagna fifandirana lehibe tamin'ireo vahôkan'i Amona. Tamin'ny nangaike anao iaho die tsy namonjy an'ahy teo amin-dreo anao.3Laha hitako fa tsy namonjy an'ahy anao, die napetrako tamin'ny tanjako manontolo ny fiaignako ary namakivaky ny vahôkan'i Amona iaho; ka nomen'i Yaveh an'ahy ny fandresena. Nagnino anao no tonga hiady amin'ahy ankehitriny? 4Nampivorin'i Jefta niarake ny lelahy abiaby tao Gileada ka niady tamin'i Efraima ijy.Nanafike an'ireo lelahin'i Efraima ireo lehilahin'i Gileada satria hoy areo hoe: ''Anareo Gileadita die mpilefa an'i Efraima- ao Efraima sy Manase.''5Nosamborin'ireo Gileadita ireo fitsahan'i Jordana menga agny Efraima. laha misy amin'ireo sisa velogna mijaka hoe: ''Abelao iaho hitsaka ny ranobe, ''die hijaka an'ajy ireo lehilahin'i Gileada hoe: Efraimita ve anao?'' laha mijaka ijy hoe: ''Tsiare'' 6die hijaka amin'ajy areo hoe: ''tognony hoe: Shiboleta,'' ary laha mijaka ijy hoe ''Siboleta''(satria tsy nahay nanognona ilay jaka majava ijy) , die hosamborin-dreo Gileada ijy ary hovonoina eo amin'ny fitsahan'ny Jordana. Roa arivo sy efatre aligna ireo Efraimita novonoina tamin'ijany fotôgna ijany.7Niasa hôtrany mpitsara naneragna an'i Israely nandritre ny enina taogna i Jefta i Jefta. Avy eo die maty ilay Gileadita ary nalevigna tao amin'iray amin'ireo tanànan'ny Gileada.8afarany, die i Ibzana avy eo Betlehema no niasa ho mpitsara an'i Israely. 9Nanagna janake lahy telo-polo . Nahafoy janake vavy telo-polo hampakarina ijy, ary nitondra ireo janake vavy telo-polo hampekarina ijy, ary nitondra ireo janake vavy telo-polo an'ny lelahy hafa avy agny ivelany ho an'ny janagny lahy ijy. Nitsara an'i Israely nandritre ny fito taogna ijy.10ty Ibzana ary nalevigna tao Betlehema. 11Tafarany die i Elona ilay Zebolonita no niasa hôtrany mpitsara an'Israely.NItsara an'Israely nandritre ny folo taogna ijy.12 Maty i Elona ilay Zebolonita ary nalevigna tao Aialona tagny amin'ny tanin'i Zebolona.13gnarake an'ajy die i Abdona janaka lahin'i Elela ilay Piratonita no niasa hôtran'ny mpitsara an'i Israely. 14Nanagna janakalahy efapolo ijy ary jafikely lahy telopolo. Nideba ampondra fitopolo areo. Ary nitsara an'Israely nandritre ny valo taogna ijy. 15Maty i Abdona janaka lahin'i Elela ilay Piratonita tagny amin'ny tanin'i Efraima tany ambon'ny firenen'ireo Amalekita.
Chapter 13

1Nagano ijay ratsy teo imason'i Yaveh indraike ny vahôkan'i Israely, ka natolony teo an-tagnan'ireo Filistina nandritre ny efapolo taogna areo. 2Nisy lelahy raike avy agny Zora, avy amin'ny fianakavian'ireo Danita, Manoa no agnarany.Tsy afake nitoeran'anake ny vadiny ka tsy namaitre ijy.Ni3seho tamin-draviavy ny anjelin'i Yaveh ka nagnano tamin'ajy hoe: ''Io ankehitriny, tsy afake nitoeran'anake anao, ary tsy namaitre, nefa hitoeran'anake anao ary hamaitre jajalelahy. 4Ary Mitandrema mba tsy hinogna divay na raha finomina mahery, ary aja mihinagna raha maloto. 5Ijao , hitoeran'anake anao ary hamaitre jajalelahy. Tsy hisy fangitre ampiasaina amin'ny lohany, satria Nazirita ho an'Andriamanitra lahatagny an-troke ny jaja, ary ijy no hanomboka hagnafake ny Israely eo An-tagnan'ireo Filistina.''6Ary tonga Raviavy ka nijaka tamin'ny vadiny hoe: ''Nisy lelahin'Andriamanitra tonga tamin'ahy; ary hôtran'ny anjelin'Andriamanitra ny fahitana an'ajy, tena mampatahotre. Tsy nagnotany an'ajy ijay niaviany iaho, ary tsy nijaka tamin'ahy ny agnarany ijy. 7Die hoy ijy tamin'ahy hoe: '' Io! Hitoeran'anake, ary hamaitre jajalelahy anao. Koa noho ijany die aja minogna divay na raha finomina mahery, ary aja mihinagna hanina ijay ambaran'ny lalàna fa maloto, satria ny jaja die ho Nazirita ho an'Andriamanitra manomboka amin'ny fotôgna maha ao am-bohoke an'ajy ka lahatamin'ny andro hahafatesany.''8ie nivavake tamin'i Yaveh i Manoa ka nagnano hoe:'' Tompo o, mba avelao ilay lelahin'Andriamanitra nirahinao hipody aminay indraike mba hampianarany anay ijay tokony hataonay amin'ny jaja ijay hafaitre tsy ho ela. 9''Namaly ny vavak'i Manoa i Yaveh, ka tonga tamin-draviavy indraike ny anjelin'Andriamanitra laha nidoboke tagny an-karegnana ijy. Nefa tsy niarake tamin'ajy i Manoa vadiny.10Koa nihazakajake mahare raviavy nijaka ny vadiny hoe: ''Io! Nibôke tamin'ahy ilay lelahy- ilay tonga tamin'ahy indraike andro igny! 11Die nitsangagna i Manoa ka nagnarake am-badiny. Laha tonga teo amin'ilay lelahy ijy die hoy ijy hoe: ''Anao ve ilay lelahy nivoria tamin'ny vadiko? Die hoy ralelahy hoe: ''Iaho no ijy.''12 die hoy i Manoa hoe: ''Ankehitriny ho tanterake anie ny jakanao. Ino no ho fitsipike ho an'ilay jaja, ary ino no ho asany? 13Hoy ny anjelin'i Yaveh tamin'i Manoa hoe: ''Tsy mentsy hagnano am-pitandremana ny raha abiaby ijay nijakaiko tamin'ajy ijy. 14Tsy afake mihinagna n'ino n'ino ijay avy amin'ny vôloboke ijy, ary aja abela minogna divay na raha finomina mahery; aja abela mihinagna hanina ijay ambaran'ny lalàna fa maloto ijy. Tokony hankato ny raha abiaby nandidiako an'ajy ho ataony ijy.''15Hoy i Manoa tamin'ilay anjelin'Yaveh hoe: ''Mba mijanogna kelikely rô, mba hagnome fotôgna anay hikarakarana janak'osy ho anao. '' 16Hoy ilay anjelin'i Yaveh tamin'i Manoa hoe: ''Na die hijanogna aja iaho, die tsy hihinagna ny haninanao akory. Fa laha magnomagna fanatitre orôna anao, die atolory ho an'i Yaveh ijany.'' ( Tsy fantatr'i Manoa fa anjelin'i Yaveh ijy.)17Die hoy i Manoa tamin'ilay anjelin'i Yaveh hoe: ''Ija no agnaranao, mba hahafahanay magnome voninahitra anao laha tanterake ireo jakanao? 18Die hoy ilay anjelin'i Yaveh tamin'ajy hoe: ''Nagnino no magnotany ny agnarako anao? Mahafinaritre ijany!''19Ary nalain'i Manoa niarake tamin'ny fagnatitre ho hanina ny janak'osy ka natolony teo ambony vatolampy ho an'i Yaveh ireo.Nagnao raha mahajendagna ijy laha igny nijaha igny i Manoa sy ny vadiny.20 Laha niakatre avy teo amin'ny alitara nenga agny an-danitra ny lela afo, die niakatre tao agnatin'ny lela afon'ny alitara ilay anjelin'i Yaveh. Nahita an'ijany i Manoa sy ny vadiny ary nampiankohoke ny tarehin-dreo tamin'ny tany.21y nibôke tamin'i Manoa sy ny vadiny koa ilay anjelin'i Yaveh. Ary fantatr'i Manoa fa anjelin'i Yaveh ijy. 22Hoy i Manoa tamin'i vadiny hoe: Ho faty tokôtre antsena, satria nibôke tamintsena Andriamanitra!''23Nefa hoy ny vadiny tamin'ajy hoe '' Laha te hamono antsena Andriamanitra, die tsy nandray fanatitre orôna sy ny fanatitre hohanina nomentsena agny Ijy.Tsy tokony nampibôke antsena iregne raha abiaby iregne Ijy, na mamela antsena haharegne raha hôtran'ijany amin'ijao fotôgna ijao.''24Tatoy afara die namaitre jajalelahy raviavy, ary nataony Samsona ny agnarany. Nihalehibe ny jaja ary nitahy an'ajy i Yaveh. 25Nanomboke nagnetsike an'ajy tagny Mahana-dana ny fanahin'Andriamanitra, teo agnelagnelan'i Zora sy Estaola.
Chapter 14

1ijotso, tagny Timna i Samsona, ary nahita viavy raike tagny ijy, ijay raike amin'ireo janake vavin'i Filistina. 2Laha nipody ijy, die nijaka tamin'ny ibany sy endriny hoe: ''Nahita viavy raike tao Timna iaho, raike amin'ireo janake vavin'ireo Filistina. Ary alay mba ho vadiko ijy.''3Hoy ny abany sy endriny tamin'ajy hoe: '' Moa ve tsy misy viavy amin'ireo janake vavin'ny havanao, na amin'ireo vahôkanao abiaby? Hangala vady avy amin'ireo Filistina tsy mifora ve anao?'' Hoy i Samsona tamin'ny abany hoe: ''Alay ho an'ahy ijy, fa laha nijaha an'ajy iaho, die mahafinaritre an'ahy ijy.'' 4Fa ny abany sy endriny die tsy nahalala fa avy amin'i Yaveh ijany raha ijany, satria nagniry ny hanagna ady amin'ireo Filistina Ijy( satria tamin'ijany fotôgna ijany die ireo Filistina no nanjaka tao Israely).5ry nijotso tagny Timna niarake tamin'ny abany sy endriny i Samsona, ary nenga agny amin'ny tanim-bôlobok'i Timna areo. Ary, indro, nisy liogna tanora raike nagnatogna ary nierogna tamin'ajy.6 Tonga tampoke tamin'ajy ny Fanahin'i Yaveh, ary die nosamahiny mora hôtrany magnasamake janak'osy ilay liogna, ary tsy nisy n'ino n'ino tegne an-tagnany. Nefa tsy nijakainy tamin'ny abany na ny endrine ijay nataony.7Nandeha ijy ary nivoria tamin'ilay viavy, ary laha nijery an'ajy ijy, die nahafinaritre an'i Samsona ijy. 8Andro vitsivitsy tatoy afara laha nipody hangala vady an'ajy ijy, die nivily lalagna ijy mba hijaha ny fatin'ilay liogna. Ary, io, nisy andiana vôgna sy tintele teo amin'ny sisa tabela tamin'ny vatagn'ilay liogna.9 Nangoniny tegne an-tagnany ilay tintele die nandeha ijy, sady nandeha ijy no nihinagna. laha tonga tagny amin'ny abany sy endriny ijy, die nagnomejany ampahany areo, ary nihinagna. Nefa tsy nijakainy an-dreo fa nalainy tegne amin'ny sisa tabela tamin'ilay vatagn'ilay liogna ilay tintele.10Nijotso tagny amin'ijay nisy an'ilay viavy ny aban'i Samsona, ary nagnano fanasana tagny i Samsona, satria ijany ny fomban'ny jalahy. 11Laha vô hitan'ny havan'ilay viavy ijy, die nitondran-dreo telpolo tamin'ireo tamin'ireo akamany mba hiarake amin'ajy.12Hoy i Samsona tamin-dreo hoe: ''Abelao iaho niany hijaka fanognotognona aminareo. Laha misy raike aminareo mahita an'ijany ary mijaka amin'ahy ny valiny mandritre ny fito andro fanasana, die homeko rongony fotsy madinike telopolo sy sikigna fisoloana telopolo. 13Fa laha tsy mahajaka amin'ahy ny valiny anareo, die homenareo rongony fotsy madinike sy sikigna fisoloana telopolo isa iaho. '' Hoy areo tamin'ajy hoe: ''Jakao anay ny fanognotognonao, mba hahafahanay maharegne an'ijany.''14Hoy ijy tamin-dreo hoe: ''Avy ao amin'ny mpihinagna no misy raha fohanina; avy ao amin'ny matanjake no misy raha malefake.'' kanefa tsy nahita ny valiny tao agnatin'ny telo andro ireo vahiny nasainy.15Tamin'ny andro fahefatre die hoy areo tamin'i vadin'i Samsona hoe: ''Fitaho ny vadinao mba hilajany aminay ny valin'ilay fanognotognona, laha tsy ijany die horônay anao sy ny tragnon'ny abanao. Nasainareo tatoy mba ho ampahantraina angaha ahay?''16Nanomboke nitagny teo ankatrehany ny vadin'i Samsona; hoy ijy hoe: ''Halanao iaho! tsy tia an'ahy anao! Nagnano fanognotognona tamin'ny saragny tamin'ireo vahôkako anao, fa tsy nijaka tamin'ahy ny valiny. ''Hoy Samsona tamin'ajy hoe: ''Jahao iaho, laha tsy nijaka tamin'ny abako na ny endriko iaho, die tokony hijaka aminao ve?'' 17Nitagny nandritre ny fito andro naharetan'ny fanasana ijy. Tamin'ny andro fahafito die nijakainy tamin'ajy ilay valiny satria nanery mahare an'ajy ijy. Die nijakainy tamin'ny havan'ny vahokany ilay valiny.18Nelohan'ny nilentehan'ny masoandro tamin'ilay andro fahafito die ireo lelahy teo an-tanàna tamin'ajy hoe: hoe '' Ino no mamy mihôtre ny tintele? Ino no matanjake mihôtre ny liogna? Hoy i Samsona tamin-dreo hoe: ''Laha tsy niray tsikombakomba tamin'ny vadiko anareo, die tsy nahita ny valin'ny fanognotognonako.''19Ary tonga tampoke tamin-kery tao amin'i Samsona ny Fanahin'i Yaveh. Nijotso tao Askelona i Samsona ary namono telopolo tamin'ny lelahin-dreo. Nalainy ny raha nobaboin-dreo, ary nomene an'ireo ijay nagnajava ilay fanognotognona ny sikignan-dreo. Tamim-pahavignirana mafy, die niakatre tagny amin'ny tragnon'ny abany ijy.20 Natolotre ny akamany akeky an'ajy indrindra ny vadin'i Samsona.
Chapter 15

1ndro maromaro tatoy afara, nandritre ny fotôm-pambilejam-bary, die nangala janak'osy i Samsona ary nandeha namangy ny vadiny. Hoy ijy tamin'ny tegnany hoe: ''Handeha ho agny amin'ny efitragnom-badiko iaho. '' Nefa tsy namela an'ajy niditre ny abany. 2Hoy ny abany hoe: '' Hoy ny abany hoe: " tena nihevitre iaho fa nankahala an'ahy anao. ka nomeko ny akamanao ijy. Tsara noho ijy ny jandriny vave, sa tsy ijany? Alay ho solon'ny ijy."3amaly an-dreo i Samsona hoe: '' Amin'ijany fotôgna ijany die tsy hanan-tsiny eo imason'ireo Filistina iaho laha manao ijay mampalahelo an'ajy areo.4 Die nandeha i Samsona ka nisambotre amboahaolo telonjato ary namaitre an'ajy ireo kiroadroa, isan-drambony. Avy eo die nangala fanilo ijy ka namatotre an'ireo teo agnivon'ny rambo roe.5Laha nandrehitra ny fanilo ijy, die namela ireo amboahaolo handeha egny amin'ny vary manirin'ireo Filistina, die samby norôn-dreo ny vary niangona sy ny vary naniry tegne an-karenagna, niarake tamin-dreo tanim-bôloboka sy ireo tanin' oliva. 6Nagnotany ireo Filistina hoe: ''Ija no nagnano ijao? Ija no nagnano ijao?'" Nojakaina tamin-dreo hoe: ''Samsona, ilay vinanto lahin'ilay Timnita, no nagnano ijao satria nangala ny vadin'i Samsona ilay Timinita ary nagnome an'ajy ho an'ny akamany. ''Die nandeha ireo Filistina ary nagnoro an'ajy sy ny abany.7Ary Samsona nagnano tamin-dreo hoe: "laha ijany no ataonareo, die hamaly faty anareo iaho, ary laha vita ijany, vô hijanogna iaho. 8Ary notapatapahiny tamin'ny famonoana lehibe, ny valahany sy ny fen-dreo. ry nijotso ijy ka nonigna tao anaty lava-bato tao amin'ny hantsan'i Etama.9y niakatre ireo Filistina ka niomagna ho amin'ny ady tagny Joda ary nanangagna ny tafikan-dreo tagny Lehy.10 Ireo lelahin'i Joda nijaka hoe:"Nagnino anareo no niakatre hanafike anay? "Nagnino anareo no niakatre hanafike anay? "Hoy areo hoe: "Manafike ahay mba hahafahanay misambotre an'i Samsona, ary hagnano amin'ajy hôtran'jay nataony taminay."11Ary nisy olon'i Joda telo arivo nijotso tao amin'ny lava-baton'ny hantsan'i Etama, ary nijaka tamin'i Samsona areo hoe: "Moa ve anao tsy mahafantatre fa ireo Filistina no mpanapake eo amintsena? Ino ijao nataonao taminay ijao? Namaly an-dreo i Samsona hoe: ''Ijay nataon-dreo tamin'ahy; die hôtran'ijany mandy koa no nataoko tamin'dreo.''12Hoy areo tamin'i Samsona: ''Nijotso ahay mba hamatotre anao sy hanolotre anao eo am-pelatagn'ireo Filistina. Ary Samsona nijake tamin-dreo hoe: ''Mifanta amin'ahy fa tsy anareo no hamono an'ahe.13 '' Hoy areo tamin'ajy hoe: ''Tsiare, hamatotre anao amin'ny tady fotsiny ahay ary hanolotre anao eo amin-dreo.Mampagnategna ahay fa tsy hamono anao. ''Die namatotre an'ajy tamin'ny tady roe vaovao areo ary nitondra an'ajy niakatre avy tao amin'ny vato.14Laha tonga tagny Lehy ijy, die nihorakorake ireo Filistina laha vao nifanepake tamin'ajy. Tonga tamin'ajy tamin-kery ny Fanahin'i Yaveh. Ireo tady teo amin'ny sandrine die tonga hôtran'ny lamba rongony may, ka nilatsake avy tegne an-tagnany.15Nahita valagnoranon'ampondra vaovao i Samsona, ka nangala an'ijany ary namono arivo lahy tamin'ijany.16 Ary Samsona nijaka hoe: ''Tamin'ny valagnoranon'ampondra no namonoako arivo lahy, isan'antontany aby.''17ha tapitre ny jakan'i Samsona, die natsipiny ilay valagnorano, ary nangehany hoe Ramata Lehy ilay toerana. 18Maka mahare i Samsona ka nangaike an'i Yaveh ary nijaka hoe: ''Nagnome an'itoy fandresena lehibe itoy tamin'ny mpanomponao anao. Kanefa ankehitriny koja moa ve ho fatin'ny hetaheta iaho ka ho lavo eo an-tagnan'ireo ijay tsy vôfora?''19gnasarake ilay toerana babangôgna ijay tagny Lehy ka nisy rano nivôke. Laha ninogna ijy, die nipody ny heriny ary velombelogna indraike ijy. Koa nangehany hoe En-Hakore ilay toerana mandrak'ankehitriny. 20Nitsara an'Israely nandritre ny roapolo taogna i Samsona tamin'ny andron'ireo Filistina.
Chapter 16

1Nandeha tagny Gaza i Samsona ary nahita mpivaro-tegna tagny, ka niara-nandry tamin'ajy ijy. 2Die nojakaina ireo Gazita hoe: '' Tonga teto i Samsona.'' Nohodidign'ireo Gazita ilay toerana, niandry an'ajy teo amin'ny vavahadin'ny tanàna nandritre ny aligna tontolo areo. Nitajogna ny fahanginana nandritre ny aligna tontolo. Nijaka areo hoe: ''Abelao ahay hiandry mandra-pahajavan'ny andro, ary avy eo avelao ahay hamono an'ajy.''3Nijanogna teo am-pandriana i Samsona mandra-pisasaky ny aligna.Tamin'ny sasak'aligna die nifoha ijy ary nobatainy ilay vavahady sy ny tolàgny roe. Nongotany niala tamin'ny tany ireo, ny hidine sy ny abiaby, natao teo an-tsorogne ijany, ary nindosiny niakatre tany an-tampon'ny tety ireo, teo alohan'i Hebrona.4Tafaran'ijay, die nitia viavy raike ijay nidoboke tagny an-dohasahan'i Soreka i Samsona.Delila no agnarany. 5Tonga teo amin'ajy ireo mpanapak'ireo Filistina, ary nijaka tamin'ajy hoe: ''Fitaho Samsona mba hahitana ijay misy ny tanjagny lehibe, sy ny fomba handresenay an'ajy, mba hahafahanay mifehy an'ajy hagnala baraka an'ajy. Atôvy ijany, die omenay kiraidraike aby 1.100 sekely volafotsy anao.''6ry hoy i Delila tamin'i Samsona hoe ''Miangavy rô, jakao an'ahy ny mahatonga anao tena matanjake, ary nagnino no hahafahan'ny olo mamatotre anao, ka ho vôfehy anao? 7Hoy i Samsona tamin'ajy: '' Laha fatoran-dreo amin'ny tady vaovao fito ijay tsy mbola namaignina iaho, die lasa malemy iaho ary ho hôtran'ny lehilahy hafa abiaby.''8Ary nitondra tady vaovao fito ijay tsy mbola namaignina ho an'i Delila ireo mpanapak'ireo Filistina. 9Ary nanagna lelahy miafina am-pahanginana, ijay niandry tao amin'ny efitragnony agnatiny ijy. Hoy ijy tamin'ajy hoe: '' Eo aminao ireo Filistina, ry Samsona!'' Nefa notapahiny hôtran'ny tadi-kofehy mikasika afo ireo tady. Ka tsy fantatre ijay tsiambaratelon'ny tanjagny.10Ary hoy i Delila tamin'i Samsona hoe: ''Ijao ny fomba namitahanao an'ahy sy nijakanao vandy tamin'ahy.Miangavy rô jakao an'ahy hoe ahôna no hahafahana mandresy anao. 11''Hoy ijy tamin'ajy hoe: ''Laha fatoran-dreo amin'ny tady vaovao ijay tsy mbola nampiasaina ho amin'ny asa iaho, die halemy iaho ary ho hôtran'ny lelahy hafa abiaby. 12Die nangala tady vaovao i Delila ary namatotre an'ajy tamin'ireo, sady nilaja tamin'ajy hoe: ''Eo aminao ireo Filistina , ry Samsona!'' ilay lelahy nandigny die tao agn'efitragnony agnatiny. Nefa notapahin'i Samsona hôtran'ny poti-kofehy ireo tady teo amin'ny sandriny.13Hoy i Delila tamin'i Samsona hoe: ''Hatramin'ijao anao die mbola namitake an'ahy ary nijaka vandy tamin'ahy. Jakao an'ahy hoe ahôna no mety handresna anao.'' Fa hoy i Samsona tamin'ajy hoe: '' Laha jerinao ao amin'ny lamba eo amin'ny fanjerana ny vonan'ny voloko miisa fito, ary avy eo die fantsiho eo amin'ny fanjerana ijany, die ho hôtran'ny lelahy haf a abiaby iaho.'' 14Laha natory ijy die nojerin'i Delila tamin'ny fanjerana ny foto-bolo fito tamin'ny volony ary namantsika an'ijany teo amin'ny fanjerana ijy, die hoy ijy tamin'ajy: ''Eo aminao ireo Filistina, ry Samsona! '' Nifoha tamin'ny torimasony ijy ary nongotany teo amin'ny fanjerana ilay lamba sy ilay tsatoke.15y ijy tamin'ajy hoe: ''Ahôna no hahafahanao mijake hoe: 'Tiako anao, laha tsy hijara ireo tsiambaratelonao amin'ahy anao? Namitake an'ahy intelo anao ary tsy nijaka tamin'ahy ny najahoanao ijao tanjake lehibe ijao.''16 Isan'andro die nanery an'ajy mafy tamin'ireo jakany raviavy, ary nanery an'ajy mahare ny mba haniriany ho faty.17Die nojakain'i Samsona tamin'ajy ny raha abiaby ary hoy ijy tamin'ajy hoe: ''Mbola tsy notapahina tamin'ny fangitre mihintsy ny volon-dohako, satria iaho die Nazirita ho an'Andriamanitra lahatagny an-trokan'ny endriko. Koa laha haratana ny lohako, die hiala amin'ahy ny heriko, ary halemy iaho ka ho hôtran'ny lelahy hafa abiaby.''18Laha hitan'i Delila fa nijaka ny marina momba ny raha abiaby tamin'ajy ijy, die nandefa sy nangaika ireo mpanapak'ireo Filistina ijy, nagnano hoe: ''Miakara indraike, fa efa nojakainy tamin'ahy ny raha abiaby. '' Die nenga amin'ajy ireo mpanapak'ireo Filistina, nitondra ny volafotsy tegne an-tagnan-dreo. 19Nataony resy tory teo amin'ny feny ijy. nangaike lelahy raike mba hagnaratre ireo vogna fito teo amin'ny lohany ijy, ary nanomboke nandresy an'ajy ijy, satria niala tamin'ajy ny heriny.20Ary hoy ijy hoe: '' Eo aminao ireo Filistina, ry Samsona!'' Nifoha tamin'ny torimasony ijy ary nijaka hoe: ''Hivôke hôtran'ireo fotôgna hafa iaho ary hagnetsike malalake ny tegnako. ''Nefa tsy fantany fa efa niala tamin'ajy i Yaveh.21 Nisambotre an'ajy ireo Filistina ary nangala ny masony. Nitondra an'ajy nijotso tagny Gaza areo ary namatotre an'ajy tamin'ny rojo varahigna. nagnakodia ny fikoseham-bary tagny am-pigadrana ijy. 22Fa nipody naniry indraike ny volo teo amin'ny lohany tafaran'ny nagnaratana an'ijany.23Niara-nivory ireo mpanapak'ireo Filistina mba hanolotre sorogna lehibe ho an'i Dagona andriamanitran-dreo, ary hifaly. Hoy areo hoe: ''nandresy an'i Samsona fahavalontsena ny andriamanintsena ary nametrake an'ajy teo am-pelan-tagnantsena ijy.'' 24Laha nahita an'ajy ny vahôke, die nidera ny andriamanitran-dreo, satria hoy areo hoe: ''efa nandresy ireo fahavalontsena ny andriamanintsena ary nagnome an'ajy ho antsena- ilay mpandrava ny tanànantsena, ijay na,ono ny rahabe tamintsena.25ha nankalaja areo, die hoy areo hoe: ''Angeho i Samsona, mba hampihomehy antsena.'' nangaike an'i Samsona hivôke ny tragnomejigna areo ary nampihehy an-dreo. Nataon-dreo nitsangagna teo agnelagnelan'ireo andry ijy. 26Hoy i Samsona tamin'ilay jajalelahy ijay nitantagna ny tagnany hoe: ''Abelao iaho mba hikasika ireo andry ijay manohagna ny tragno lehibe, mba hahafahako miantehitre amin'ireo.27Ary feno lelahy sy viavy ny tragno. Tao aby koa ireo mpanapak'ireo Filistina abiaby.Teo amin'ny telo arivo teo ho eo ny lelahy sy viavy teo an-tafon-tragno, ijay nijaha an'i Samsona nampiala voly an-dreo28ngaike an'i Yaveh Samsona, ary nagnagno hoe: tsarovy iaho! Miangavy re hatanjaho amin 'itoy indray mitorake itoy mandy, ry Andriamanitra, mba hahafahako mamaly indray mandeha ireo Filistina ny amin'ny nangalany ireo masoko roe'' 29Notajonin'i Samsona ireo andry roe teo agnivo ijay nanohagna ny fagnorenana lehibe, ary niankina teo amin'ireo ijy, ny andry raike tamin'ny tagnany havia.30Hoy Samsona hoe: Abelao iaho ho faty miaraka amin'ireo Filistina!'' Nagnampatre ny heriny ijy ka nidaraboke teo amin'ireo mpanapake sy teo amin'ireo olo abiaby ijay tao agnatin'ijany ilay fanoregnana lehibe. ka ny maty ijay novonoiny tamin'ijy maty die mihôtre noho ireo ijay novonoiny nandritre ny fiaignany. 31Ary nijotso ireo rahalahiny sy ireo ankohonan'ny abany abiaby.Nangala an'ajy areo, nitondra an'ajy nipody ary nandevigna an'ajy teo agnelagnelan'i Zora sy Estaola tagny amin'ny toeram-pandevegnana an'i Manoa, iabany. Nitsara an'i Israely nandritre ny roapolo taogna i Samsona.
Chapter 17

1Nisy lelahy raike tagny amin'ny tany abon'i Efraima, Mika no agnarany. 2Hoy ijy tamin'ny endriny: ''Ny sekely volafotsy 1.100 ijay nalainao mahasike ilay ojogna nivoriananao, ijay regniko_ ijao eto ijao! Managna volafotsy iaho aty amin'ahy.Iaho no nangalatre an'ijany.'' die hoy ny endriny: ''Ho tahin'ny Yaveh anie anao ; ry janako!3Napody tagny amin'ny endriny ny sekely volafotsy 1.100 ary hoy iendriny tamin'ajy '' Hatokagnako ho an'i Yaveh itoy volafotsy itoy, fa hagnambotre sarin-draha vôsikotre sy sarin-draha an'idigna ny janako lahy. ka ankehitriny, die apodiko aminao itoy.'' 4Laha napodiny tamin'ny endriny ilay vola, die nangala sekely volafotsy roanjato ny endriny ary nomeny ireo mpanefy vy ijay nagnano an'ireo ho sarin-draha vôsikotre sy an'idigna ijany, ary napetrake tao an-dragnon'i Mika ireo.5Ilay lelahy hoe Mika die nanagna tragnon-tsampy ary nagnambotre efoda sy tokantragnon'ireo andriamanitra ijy, ary nagnakarama raike tamin'ireo janagny lahy ijy mba ho lasa mpisorogny. 6Ary tamin'ireo andro ireo die tsy nisy mpanjaka tagny Israely, ary nagnano ijay marina teo imasony ny olo abiaby.7Ary nisy jalahin'i Betlehema raike tagny Joda, avy amin'ny fianakavian'i Joda, ijay Levita. Nijanogna tagny ijy mba hagnantanterake ireo adidiny. 8Niala tao Betlehema tao Joda ralelahy mba handeha ary handrembe toerana hidobohana. Laha nandeha ijy die tonga tagny an-dragnon'i Mika tagny amin'ny tany amin'ny tany abon'ni Efraima. 9Die hoy i Mika tamin'ajy: ''Avy aja ny fiavianao?'' Ary hoy ralelahy tamin'ajy: ''Levita an'i Betlehema tao Joda iaho, ary nandeha iaho mba handrembe toerana ijay mety honegnako.''10e hoy i Mika tamin'ajy: ''Mijanogna eto amin'ahy, ary ôka anao ho ray sy ho mpisorogna ho an'ahy. Homeko sekely volafotsy folo isan-taogna, sikigna fitafy, ary ny haninao anao. ''Koa die niditre tao an-dragnony ilay Levita. 11Die nahafaly an'ilay Levita ny hidoboke miarake amin-dralelahy, ary ho an'i Mika die tonga hôtran'ny raike amin'ireo janagny lahy ilay jalahy.12Natokagn'i Mika ho an'ny adidy masina ilay Levita, ary lasa mpisorogny ilay jalahy, ary tao an-dragnon'i Mika. 13Ary hoy i Mika: ''Fantatro ankehitriny fa hagnano soa ho an'ahy i Yaveh, satria lasa mpisorognako itoy Levita itoy.''
Chapter 18

1Tamin'ijany andro ijany die mbola tsy nisy mpanjaka tao Israely. Nandrembe faritre honegnana ny fokon'ireo Dana, satria tamin'ijany andro ijany die tsy nahajo lova tamin'ireo fokon'Israely mihitsy areo. 2Nagnirake lelahy dimy tamin'ireo olo marobe tao amin'ny fokon-dreo ny vahôkan'i Dana, lelahy ijay mpiady efa ja-draharaha avy amin'ny Zora sy Estaola, mba handeha hihôdihôdy an-tongotre amin'ilay tany ary hijaha an'ijany. Hoy areo tamin-dreo hoe: ''Mandehana ka jahao ilay tany.'' tonga tagny amin'ny tany abon'i Efaraima areo, tagny amin'ny tragnon'i Mika, ka nijanogna tao areo ny aligna3aha nagnakeky ny tragnon'i Mika areo, die nahafantatre ny vorian'ilay jalahy Levita. Koa die nijanogna areo ary nagnotany an'ajy hoe: ''Ija no nitondra anao tatoy? Ino no ataonao atoy amin'itoy toerana itoy? Nagnino anao no eto?'' 4Hoy ijy tamin-dreo hoe : '' Ijao no nataon'i Mika tamin'ahy: Nokaramainy ho lasa mpisorogny iaho.''5oy areo tamin'ajy hoe: ''Mba agnotanio rô ny hevitr'Andriamanitra, mba hahafantaranay laha hahomby ny dia ijay ombanay.'' 6Hoy ilay mpisorogna tamin-dreo hoe: ''Mandehana am-piadanagna. Hitarike anareo amin'ny lalagna tokony hombanareo i Yaveh.7Ary lasa ireo lelahy dimy ka tonga tao Laisy, ary nahita areo fa niaigna am-piadagnana ny vahôka, hôtran'ny fomba niaignan'ireo Sidoniana , tsy vôkorotagna sy vôaaro. Tsy nisy nambabo na nampahory an-dreo tamin'ny fomba abiaby tao amin'ilay tany. Nonigna lavitre an'ireo Sidoniana areo ary tsy nanagna fifandresana tamin'ija na ija. 8Nipody tagny amin'ny fokony agny Zora sy Estaola areo .Die nagnontany an'ajy ireo havany hoe : '' Ino no tatitrareo?''9Hoy areo hoe: ''Avia! Andao hanafike an-dreo! Efa hitanay ilay tany ary tena tsara ijany. tsy hagnano n'ino n'ino ve anareo? Aja mitaredretra hanafike sy hangala ilay tany. 10Laha mandeha anareo, die ho tonga agny amin'ny vahôke ijay mihevitre fa tsy managna ahiahy areo, ary midadasike ilay tany! Nomen'Andriamanitra anareo ijany - die toerana raike ijay tsy ahitana tsy fahampiana ao amin'ilay tany.''11Nisy eninjato lahy avy amin'ny fokon'i Dana, mitagna fitôvam-piadiana, nivôke avy tagny Zora sy Estaola. 12Niakatre areo ary nitoby tao Kiriata-Jearima, ao Joda.Ijany no antony Hangeha'ny olo io toerana io hoe Mahane-dana mandrak'ankehitriny; ao andrefan'i Kiriata-Jerearima ijany.13ala tao nenga agny ambon'ny Efraima areo ary tonga tao amin'ny tragnon'ny Mika. 14die hoy areo dimy ijay nandeha mba hihôdihôdy tagny amin'ny firenenen'i Laisy tamin'ireo havany hoe: ''Fantatrareo ve fa ato amin'ireto tragno ireto die misy efoda , terafiman sarin-draha vôsikotra, ary sarin-draha agn'idigna? Koa manapaha hevitre ankehitriny ny amin'ijay ho ataonareo. ''15Koa nivily tao areo ary tonga tagny amin'ny tragnon'ilay jalahy Levita, tao an-dragnon'i Mika, ary niarahaba an'ajy areo. 16Ary niarahaba an'ajy areo Danita eninjato, nanagna fitôvam-piadiana, die nitsangagna teo amin'ny fidiran'ny vavahady.17Ireo lelahy dimy ijay nandeha hisafo ilay tany die nenga agny ary nangala ilay sarin-draha vôsikotre, ilay efoda, ireo terafima, ary ilay sarin-draha agn'idigna, laha nijoro teo amin'ny fidirana eo amin'ny vavahady niarake tamin'ny lelahy eninjato mitondra fitôvam-piadiana ilay mpisorogna. 18Laha nenga ao amin'ny tragnon'i Mika ireo ka nangala ilay sary agn'idigna, efoda, ireo andriamanitry ny tokantrano, ary ilay sarin-draha vôsikotre, die hoy ilay mpisorogna tamin-dreo hoe: '' Ino ijao ataonareo ijao?''19Hoy areo tamin'ajy hoe: ''Mangigna! Atôvy eo amin'ny vavanao ny tagnanao ary andao hiarake aminay, ary ho abanay sy mpisorogna anay anao ve ny mpisorogna ho an'ny tragnon'ny lelahy raike, sa mpisorogna ho an'ny foko raike sy fianakaviam-be raike ao Israely?'' Faly ny fon'ilay mpisorogna. 20Nalainy nilay efoda, ireo terafima, sy ilay sarin-draha vôsikotre, ary lasa nagnarake ny vahôke ijy.21Die nitodike areo ary lasa. Nataon-dreo teo alohany ireo jaja madinike, torak'ijany koa ireo biby fiompe sy ny fananan-dreo. 22Laha lavitre tsara ny tragnon'i Mika areon die niara-nangehana ireo lelahy ijay tao amin'ireo tragno akekin'ny tragnon'i Mika, ary tratre niarake tamin'ireo Danita areo.23 Nangaike mahare ireo Danita areo, die nitodike areo ary nijaka tamin'i Mika hoe: Nagnino anareo no niara-nangehana?24Hoy ijy hoe: ''Nangalarinareo ireo andriamanitra ijay namboariko, nalainareo ny mpisoroko, ary lasa anareo. Ino sisa tavela ho an'ahy? Ahôna no hahafanareo magnotany an'ahy hoe: Ino no maha ory anao? 25Hoy ny vahôkan'i Dana tamin'ajy hoe: '' Tsy tokony hagnabela anay haharegne ijay abiaby jakainao anao, laha tsy ijany die hisy olo vignitre mafy hanafike anao, ary ho vonoina anao sy ny fianakavianao. '' 26Ary nanohy ny lalagny ireo vahôkan'i Dana.Laha hitan'i Mika fa matanjake lôtre ho an'ajy areo, die nivily ijy ary nipody tagny an-dragnony.Nalain'ny vahôkan'i Dana ijay nataon'i Mika, torak'ijany ny mpisorogny, ary tonga tao Laisy areo, tagny amin'ny vahôke ijay tsy vôelingeligna sy tsy managna ahiahy ka mamono an-dreo tamin'ny sabatre areo ary nagnoro ilay tanàna. Tsy nisy n'ija n'ija nagnavotre an-dreo satria lalagna lavitre an'i Sidona ijany, ary tsy nanagna fifandresana tamin'ija na ija areo. tagny amin'ny lohasaha ijay akekin'ny Beti-rehoba ijany. Namerigna nanangagna ilay tanàna ireo Danita ka nonigna tao. Nomen-dreo ny agnarana hoe Dana ilay tanàna, agnaran'i Dana rajamben-dreo, ilay raike amin'ireo janake lahin'Israely. Fa laisy no agnarana nahajatre an'ilay tanàna.30tokagn'i Vahôkan'i Dana ho an-dreo ilay sarin-draha vôsikotre. Jonatana janak'i Gersoma, janak'i Mosesy, ijy sy ireo janagny lahy die samy mpisorogn'ny fokon'ireo Danita lahatamin'ny andro nahajoana ilay tany. 31Ary die nanompo ny sarin-draha vôsikotre ijay nataon'i Mika areo nandritre ny fotôgna naha-tao Silo ny tragnon'Andriamanitra.
Chapter 19

1Tamin'ijany andro ijany, laha tsy nisy mpanjaka tao Israely, die nisy lelahy raike, Levita, nivahiny tagny amin'ny faritre lavitre indrindrake tamin'ny tany ambon'i Efraima. Nangala viavy ho an'ajy ijy, vaditsindrano avy agny Betleheman'i Joda.2 Nefa tsy tokam-po tamin'ajy ilay vadintsindranony; nenga an'ajy raviavy ary nipody tagny an-dragnon'i abany tagny Betleheman'i Joda.Nijanogna tagny efa-bolagna ijy.3ry niarigna ny vadine ka nagnarake an'ajy mba handresy lahatre an'ajy hody. Niarake tamin'ajy ny mpanompony, sy ny ampondra roe. Die nindôsiny tagny an-dragnon'i abany ijy. Laha nahita an'ajy ny aban-drajajaviave, die faly ijy. 4Ilay rafojan-dahiny, ilay aban'ilay jajaviavy, die nandresy lahatre an'ajy mba hijanogna telo andro. Nihinagna sy ninogna areo, ary nandany ny aligna tao.5Nifoha aloha areo tamin'ny andro fahaefatre, ary niomagna ny henga ijy, kanefa ny aban'ilay jajaviavy nijake tamin'ny vinanto lahiny hoe: ''Tohagno amin'ny mofo aloha ny tegnanao, die mahajo mandeha anareo avy eo. 6Die nidoboke ijy roe ka niara-nihinagna sy nisotro. Ary hoy ny aban'ilay jajaviavy hoe: '' Mba magneke handany ny aligna ary mifalia.''7Laha nifoha mba handeha ilay Levita die nanery an'ajy hijanogna ny aban-ilay javavy, nagnova ny drafiny ijy noho ijany ary nadry tao indraike. 8Tamin'ny andro fahadimy die nifoha aloha mba henga ijy, fa ilay iaban'nilay jajaviavy nijaka tamin'ajy hoe:''Tohano aloha ny tegnanao, ary mandiasa mandra-pihilagn'ny andro.'' Ary die nihinagna ijy roe.9Laha niarigna mba henga ilay Levita sy ny vadintsindranony ary ny mpanompony, die nijaka tamin'ajy ny rafonjan-dahiny, ilay aban'ilay jajaviavy hoe.'' Io, mandroso miha sondrogna ny andro.Mijanogna rô niany aligna, ary mifalia. Afake mifoha aloha anareo ampitso ary mandeha mody.''10Fa ilay Levita tsy vognona ny hoandre. Niarigna ijy ary nenga. Nandroso nenga agny Jebosa ijy (Jerosalema ijany). Nanagna ampondra nisy lasely roe ijy_ary niarake tamin'ajy ny vadintsindranony.11 Laha nagnakeky an'i Jebosa areo, die efa nadiva hifaragna ny andro, ary ilay mpanompo nijaka tamin'ny tompony hoe: ''Andao, andeha antsena hivily ao an-tanànan'ireo Jebosita ary hatory ao amin'ijany.''12Hoy ny tompony tamin'ajy hoe: '' Tsy hivily amin'ny tanànan'ny vahiny ijay tsy isan'ny vahôkan'i Israely antsena. handroso ho agny Gibea antsena. 13Ilay Levita nijaka tamin'ilay jalahiny hoe: '' Andao, henga antsena ho agny amin'ny raike amin'ireo toeraba hafa, ary handany ny aligna any Gibea na Rama.''14e nandroso areo, ary nilentike ny masoandro laha nagnakeky an'i Gibea areo, ao amin'ny faritanin'i Benjamina.15 Nivily tao areo ary natory tao Gibea. Nandeha areo ary nidoboke teo an-kianjan'ny tanàna, fa tsy nisy olo na raike nampiantragno an-dreo ny aligna.16Fa avy eo die nisy lelahy antitre raike nody avy niasa tany an-karenagna igny tsondrognandro igny. Avy agny amin'ny tany ambon'i Efraima ijy, ary nivahiny tao Gibea. Nefa ny olo nidoboke teo amin'ilay toerana die Benjamita.17 Nampitrake ny masony ijy ary nahita ny mpandeha avy lavitre teo an-kianjan'ny tanàna. Hoy ilay lahy antitre hoe: '' Ho aja anareo? Ary avy aja ny fiavianareo?''18Ilay Levita nijaka tamin'ajy hoe: ''An-dalagna avy agny Betleheman'i Joda ho agny amin'ny faritre lavitre indrindrake amin'ny tany ambon'i Efraima, ijay niaviako ahay. Nenga agny Betlehaman'i Joda iaho, ary handeha ho agny an-dragnon'i Yaveh, nefa tsy hisy olo hampiantragno an'ahy. 19Managna tovohindy sy hanigna ho an'ny ampondranay ahay, ary misy mofo sy divay ho an'ahy sy ho an'ireo mpanompo vavinao atoy, ary ho an'ny jalahinao miarake amin'ireo mpanomponao. tsy misy raha maha ory anay.''20Die niarahaba an-dreo ilay lahy antitre hoe: '' Ho aminareo ny fiadagnana! Iaho no hiantoke ny filanao abiaby. Fa aja mandry eo an-kianja fotsiny.''21 Koa die nindosin'ilay lelahy tagny an-dragnony ilay Levita ary nomeny rahanina ireo ampondrany. Nanasa ny hongony areo ary nihinagna sy ninogna.22ha mbola nampifaly ny fony areo, die nisy lelahy maromaro tao an-tanàna, lelahy tsy mendrike, magnodidigna ny tragno, namopoke ny varangaragna. Nijaka tamin'ilay lahy antitre, ilay tompon-tragno areo, nagnano hoe: ''Avoahy ilay lelahy ijay tonga ao an-dragnonao, fa hiara-mandry amin'ajy ahay. '' 23Nivôke ilay lelahy, tompon-tragno, ary nijaka tamin'dreo hoe: ''Tsiary, ry rahalahiko, aja magnano ijao raha ratsy ijao tompoko! Satria vahiny ato an'dragnoko io lelahy io, ka aja magnano ijao raha fady ijao!24Io, ato ny janako vavy virijiny sy ny vadintsindranony. Mamela an'ahy hitondra an-dreo hivôke ijao. Aolagno sy atôvy amin-dreo ijay tianareo atao amin'ajy. Fa aja magnano raha fady hôtran'ijany amin'io lelahy io!'' 25Kanefa tsy niteno an'ajy ireo lelahy, ka die nosamborin'ilay lelahy ny vadintsindranony ary navôkany teo amin-dreo ijy. Nisambotre an'ajy areo, nagnolagna an'ajy, ary nagnararaotre an'ajy nandritre ny aligna, ary nabelan-dreo handeha laha najava ratsy.26 Laha najava ratsy die tonga raviavy ary lavo teo am-barangaragn'ny tragnon'ilay lelahy ijay nisy ny tompony ijy, ary die nitsirara teo ijy mandra-pahajavan'ny andro.27Nifoha ny tompony nony maraigna ary namoha ny varangaragn'ny tragno ka nivôke ijy hanohy ny lalagny. Nahita ny vadintsindranony niampatre teo am-barangaragna ijy, ary ny tagnany teo an-tokonam-baravaragna. 28Die hoy ilay Levita tamin'ajy hoe: ''Mifohaja, andao antsena handeha. ''Nefa tsy nisy namaly. Nasampiny teo amin'ny ampondra ijy, ary nenga hody agny amin'ilay lelahy.29ha tonga tagny an-dragnony ilay Levita, die nangala antsy ijy, ary noresiny ny vaditsindranony, ary notetehiny, isam-pamavanin-taolagna, ho roe ambin'ny folo tetike, ary nampitondra an'ijany naneragna ny Israely abiaby. 30Ijay abiaby nahita an'ijany die nijaka hoe: ''Raha mbola tsy nisy nagnano na nahita lahatamin'ny andro niakaran'Israely avy tagny amin'ny tany Egypta mandrak'androany ijao.Hevero ijany! Toroy hevitre ahay! Jakao anay ijay tokony hatao!''
Chapter 20

1ry nivôke hotrin'ny olo raike ireo olon'Israely, avy agny Dana ka lahatagny Beri-Sheba, agnisan'ijany mandy koa ny tanin'i Gileada, ary niara-nivory teo ankatrehan'i Yaveh tagny Mizpa areo. 2Ireo Lehiben'i vahôka abiaby, ny fokon'Israely abiaby, nandray ny toeran-dreo tao amin'ny fiangonan'ny vahôkan'Andriamanitra- lelahy 400. 000 mandeha hongotre, ijay vognona hiady amin'ny sabatre.3Ary regnin'ireo olon'i Benjamina fa niakatre tagny Mizpa ireo vahôkan'Israely. Ireo olon'Israely nijaka hoe: ''Jakao anay hoe Ahôna no nahaavy an'ijao raha ratsy ijao. 4'Ilay Levita, vadin-draviavy raike ijay novonoina, namaly hoe: ''Nenga agny amin'ny faritre ijay an'i Benjamina iaho, iaho sy ny vadintsindranoko, mba handany ny aligna.5Nandritre ny aligna, die nanafike an'ahy ireo mpitarik'i Gibea, nagnodidigna ilay tragno ary nikasa ny hamono an'ahy. Nosamborony sy naolan-dreo ny vadintsindranoko, ka maty ijy. 6Nalaiko ny vadintsindranoko ary nokapaiko ny vatagny, ary nalefako tagny amin'ny faritry ny lovan'Israely kiraidraike ireo, satria nagnantanterake faharatsiana sy fanafintohinagnana hôtran'ijany tagny Israely areo. 7Ankehitriny anareo Israelita abiaby, omeo ny hevitrareo ary magnatoroa hevitre eto niany.8Niara-nitsangagna hôtran'ny olo raike ny vahôka abiaby, ary hoy areo hoe: ''Tsy hisy aminay henga agny amin'ny lainy, ary tsy hisy aminay hiverigna ao an-dragnony!9 Fa ankehitriny koja die ijao no tsy mentsy ataontsena an'i Gibea: hanafike an-dreo arake ny hitarihan'ny filokana antsena antsena.10Hangala lelahy folo amin'ny jato magneragna ny fokon'Israely abiaby antsena, sy jato amin'ny arivo, ary arivo amin'ny iray aligna, mba hangala vatsy ho an'ireo olo ireo, ka laha tonga any Gibea agny Benjamina areo, die hosaziana amin'ny ratsy ijay namboarin-dreo tagny Israely.'' 11Noho ijany die niangogna hanohitre ny tanàna, hôtran'ny olo raike, ireo miaramilan'Israely abiaby.12Nandefa lelahy tagny amin'ny fokon'i Benjamina ireo fokon'Israely, nijaka hoe: ''Ino ijao ratsy nataonareo teo aminareo ijao? 13Noho ijany, omeo anay ireo lelahy ratsy fanahy agny Gibea ireo mba hahafahanay mamono ho faty an-dreo, ary mba hangalanay tanterake ijany ratsy ijany amin'i Israely. '' Fa i Benjamina die tsy te haharegne ny jakan'ireo rahalahiny ireo olon'Israely. 14Ary niara-nivôke ny tanàna ireo olon'i Benjamina mba hivonona hiady amin'ny olon'Israely.15y niara-nindôsina avy tao amin'ny tanànan-dreo ny olon'Israely mba hiady amin'ny miaramila enina arivo sy roa aligna ijay efa vôofagna hiady amin'ny sabatre. Ankôtr'ijay, nisy lelahy fitojantovôfidy avy amin'ireo mponign'i Gibea.Teo16 amin'ireo miaramila abiaby die nisy lelahy fito arivo vôfidy ijay kavia. Ny kiraidraike tamin-dreo die mahavita mitily singam-bolo amin'ny tora-bajaha ka tsy mivily.17Ny vahôkan'Israely, laha tsy isaina ireo avy amin'i Benjamina, die miisa 400.000 olo, ijay vôomagna hiady amin'ny sabatre. Ireo abiaby ireo die lelahy mpiady.18 Nitsangagna ireo olon'Israely, nandeha tagny Betela, ary nangatake torohevitre tamin'Andriamanitra; Nagnotany areo hoe: ''Ija no hanafike vôlohany an-ireo Benjamina ho anay? ary Yaveh nijaka hoe: Joda no hanafike vôlohany.''19Nifoha maraigna ireo olon'Israely ary namindra ny tobiny akekin'i Gibea.20 Niakatre hiady amin'i Benjamina ireo olon'Israely. Nametrak'ireo toerana amin'ny ady tagny Gibea areo. 21Nivôke avy agny Gibea ireo olon'i lelahin'ny tafik'Israely roa arivo sy roa aligna tamin'ijany andro ijany.22Fa nampahery tegna ny olon'Israely ary namorogna filaharana teo amin'ilay toerana ijay nilaharan-dreo tamin'ny andro vôlohany areo. 23Ary niakatre ireo olon'Israely ka nitagny teo alohan'Yaveh mandra-pahariva ny andro areo, ary nitady lalagna tamin'Yaveh areo. Hoy areo hoe hoe: ''Moa ve tokony handeha hiady amin'ireo rahalahinay ahay, ireo olon'i Benjamina?'' Ary Yaveh nilaja hoe: ''Tafiho areo!''24 nandeha nanohitre ireo miaramilan'i Benjamina ireo olon'Israely ny andro faharoa. 25Tamin'ny andro faharoa, die nivôke nanohitre an'ajy ireo tagny Gibea i Benjamina ary namono lelahy valo arivo sy iray aligna avy tamin'ny olon'Israely. Ijy abiaby die lelahy vôomagna hiady amin'ny sabatre26Die nandeha niakatre ho agny Betela aby koa ireo miaramilan'Israely sy ireo vahôke abiaby ka nitagny, ary nidoboke teo alohan'i Yaveh tagny areo ary nifady hanina mandra-pahariva tamin'ijany andro ijany ary nanolotre fanatitre orôna sy fanati-pihavanagna teo an-katrehan'i Yaveh.27gnotany an'Yaveh ireo olon'iIsraely- satria tagny ny fiaran'ny faneken'Andriamanitra tamin'ijany andro ijany, 28ary nanompo teo ankatrehan'ny fiara i Fineasy janak'i Eliazara janaka lahin'i Arona tamin'içjany andro ijany- '' tokony hivôke hiady amin'ny olon'i benjamina, rahalahinay, indraike mandeha koa ve ahay sa hijanogna? Hoy Yaveh hoe: '' Tafiho, satria hagnampy anareo handresy an-dreo iaho rahampitso.''29koa die nametrake olo tagny amin'ny toerana mivony nagnodidigna an'i Gibea i Israely. 30Niady tamin'ireo olon'i Benjamina ireo olon'Israely tamin'ny andro fahatelo, ary nametrake filaharan'ady nanohitre an'i Gibea areo arak'ijay efa nataony teo aloha.31Nandeha ka niady tamin'ireo vahôke ny olon'i Benjamina, ary vôrôke niala ny tanàna areo. nanomboke namono ny saragny tamin'ireo vahôke areo. Teo amin'ny olon'Israely telopolo teo no maty tagny an-karegnana sy tegne an-dalagna. Ny raike tamin'ireo lalagna die niakatre nenga agny Betela, ary ny raike hafa die nenga agny Gibea.32Die hoy ny olon'i Benjamina hoe: ''Resy areo ary nilefa lavitre antsena, hôtrin'ny tamin'ny vôlohany mandy.''Kanefa hoy ireo miramilan'Israely hoe: ''Andao antsena hihajakajake hiverigna ka handrôke an'ireo hiala amin'ny tanàna ho egne an-dalagna. '' 33Die nitsangagna avy teo amin'ny toeran-dreo ny olon'Israely abiaby ary nagnano filaharan'ady tagny Bala-Tamara. Die Nihajakajake nivôke avy tao amin'ny fitoerany ireo miaramilan'Israely ijay nivony tao amin'ny toerana fivoniana tao Mare-gibea.34dreo nisy lelahy vôfafantigna iray aligna avy agny Israely nivôke hanohitre an'i Gibea, ary namaivay ny ady, fa tsy nahalala ireo Benjamita fa nananontanogna an-dreo ny loja.35 Nandresy an'i Benjamita teo alohan'Israely i Yaveh. Tamin'ijany andro ijany, die nahafaty olon'i Benjamita 25.100 ireo miaramilan'Israely. Ireo abiaby maty die ireo ijay efa vôomagna hiady amin'ny sabatre.36Ary hitan'ireo miaramilan'i Benjamita fa resy areo. Nagnome lalana an'i Benjamina ireo olon'Israely, satria natoky ireo olo ijay napetra-dreo tagny amin'ny fitoerana nivony tagny ivelan'i Gibea areo. 37Die nitsangagna ireo nivony ka nirifatre tagny Gibea malaky, ary tamin'ny sabatran-dreo no namonoany ny olo abiaby ijay nonigna tao an-tanàna. 38Ny famantarana nifanarahana teo amin'ireo miaramilan'Israely sy ireo lelahy nivony mangingigna die hisy rahon-tsetroke lehibe hiakatre avy ao an-tanàna.39Laha lasa ny famantarana die nilavo lefogna tamin'ny ady ireo miaramilan'Israely. Ary nanomboke nanafike i Benjamina ka nahafaty olon'Israely magnodidigna ny telopolo, ary hoy areo hoe: ''Ajo antoke fa resy eo ankatrehantsena areo hôtrany tamin'ny ady vôlohany.''40Laha nanomboke nisy andrin-drahogna nivôke avy tao amin'ny tanàna, die nitodike ireo Benjamita ka nahita setroke nagnanike ny lanitra avy eo ami'ny tanàna manontolo. 41Die nivadike tamin-dreo ny olon'Israely. Reki-tahotre ireo Benjamina, fa hitan-dreo fa tonga tamin-dreo ny loja.42Noho ijany die nilefa an'ireo olon'Israely areo, nitsôke tagny amin'ny lalagna menga agny an'efitre. Nefa nahatratra an-dreo ny ady. Nivôke ny tanàna ireo miaramilan'Israely ka nahafaty an-dreo tegne amin'ijay nitsanganany.43Nihodidigna an'ireo Benjamita areo,nagnano haja lambo an-dreo ary nagnosiosy an-dreo tagny Noaha, tagny amin'ny lalan'ny ilany antsignanan'i Gibea.44 Valo arivo sy iray aligna ny olo maty tao amin'ny fokon'i Benjamina, ny abiaby tamin-dreo die lelahy niavake tamin'ny ady.45Nihodigna areo ary nilefa nijotre nenga agny nenga agny an'efitre tagny amin'ny vatolampin'i Rimona. Nahafaty olo dimy arivo hafa tamin'dreo ny Israelita tegne an-dalagna. nagnanjake an-dreo fehijay areo; ary nagnarake an-dreo akeky tegny an-dalagna nenga agny Gidoma, ary tagny no namonoan-dreo olo roa arivo fagnampiny. 46Dimy arivo sy roa aligna ireo miaramilan'i Benjamina abiaby lavo tamin'ijany andro ijany- die lelahy ijay vôomagna hiady amin'ny sabatre ; ijy abiaby die niavake tamin'ny ady47fa lelahy eninjato no nihodigna ka nilefa tagny an'efitre, nenga agny amin'ny vatolampin'i Rimona. Nitoetre tagny amin'ny vatolampin'i Rimona nandritre ny efa-bolagna areo. 48Nipody hanohitre ireo olon'i Benjamita ireo miaramilan'Israely ary nanafike sy nanmono an-dreo- ny tanàna manontolo, ireo biby fiompy, ary ireo raha abiaby ijay hitan-dreo. Norôn-dreo mandy koa ireo tanàna abiaby tegne amin'ny lalan-dreo.
Chapter 21

1Ary ny lelahin'ireo Israely nagnano fampagnantenana tao Mizpa hoe: ''Tsy hisy amintsena hagnome ny janagny vavy hanambady Benjamita. 2''Die nenga agny Betela ny vahôke ka nitoetre tagny teo ankatrehan'Andriamanitra hatramin'ny tsondrognandro, ary nitagny mahare tamin'ny feo avo areo. 3Hoy ijy ireo nangaike mahare: ''Nagnino, ry Yaveh, Andriamanitr'Israely, no die nibôke tamin'ny Israely ijao, ka tsy ho eto aminay koa ny raike amin'ireo fokonay ankehitriny?''4Nifoha maraigna ny vahôke ny ampitson'igny ka nanangagna alitara teo ary nanolotre fanatitra ôrona sy fanati-pihavanana. 5Hoy ny vahôkan'Israely hoe:''Ija tamin'ireo fokon'Israely no tsy niakatre tao amin'ny fiangonana tagny amin'i Yaveh? '' satria nagnano fampagnantenana lehibe tokôtre areo mahakasike ny olo ijay tsy niakatre teo amin'i Yaveh tagny Mizpa. Hoy areo hoe: '' Tena hovonoina ho faty ijy.''6Nanagna fangoraham-po tamin'i Benjamita rahalahin-dreo ny vahôkan'Israely. Hoy areo hoe: ''Vôfongotre tsy ho eo amin'ny Israely ny foko raike ankehitriny. 7Ija no hagnome vady ireo sisa tabela, satria efa nagnano fampanantenana tamin'i Yaveh antsena fa tsy hamela an-dreo hanambady ireo janantsena vavy?''8Hoy areo hoe: '' Ija tamin'ireo fokon'i Israely no tsy niakatre tagny amin'i Yaveh tagny Mizpa?'' fantatre fa tsy nisy olo tonga tao amin'ny fiangonana ny avy tagny Jabesy Gileada. 9Fa laha nenga tamin'ny fomba nirindra ny vahôke , io, tsy nisy tonga teo ireo mponin'i Jabesy Gileada. 10Nagnirake roe arivo sy iray aligna tamin'ireo lelahy be herim-po indrindrake miarake amin'ny toromarike ny fiangonana mba handeha agny Jabesa Gileada ka hanafike an-dreo, ary hamono an-dreo, eke fa na die ny jaja amim-biavy aja.Ijao no atôvy: tsy mentsy vonoinareo ny lelahy abiaby sy ny viavy abiaby ijay efa niara-nandry tamina lelahy.'' 12Nahita jajaviavy efajato ijay mbola tsy niara-nandry tamina lelahy tamin'ireo velogna tao Jabesy Gileada ireo lelahy, ka nindôsin-dreo tagny an-toby tagny Silo, tagny Kanana areo.13Nandefa hafatre tamin'ireo vahôkan'i Benjamina ijay tagny amin'ny harambaton'i Rimona ny fiangonana manontolo fa nanolotre fihavanana ho an-dreo areo. 14Nipody tamin'ijany andro ijany ireo Benjamita ary nomena an-dreo ny viavin'i Jabesy Gileada, nefa tsy ampy ho an-dreo ny viavy. 15Nanegnina tamin'ijay nitranga tamin'i Benjamina ny vahôke, satria nojarajarain'i Yaveh ireo fokon'Israely.16Die hoy ireo mpitarike ny fiangonana hoe:'Hataontsena akory ny hagnomejana vady ho an'ireo Benjamita ijay sisa tabela, satria efa novonoina ireo viavin'ny Benjamina?''17 Hoy areo hoe: ''Tsy mentsy misy lova ho an'ireo sisa velogn'i Benjamina, mba tsy hisy foko vôringagna amin'ny Israely.18Tsy afake magnome vady avy amin'ireo janakay vavy ho an-dreo ahay, satria nagnano fampagnantenana ireo vahôkan'Israely hoe: 'Vôojogna ijay magnome vady an'i Benjamina. 19''' Die hoy areo hoe: ''Fantatrareo fa isan-taogna die misy andro firavoravoana ho an'i Yaveh agny Silo ( avaratr'i Betela, atsignanan'ny lalagna miakatre avy agny Betela menga agny Sekema, ary atsimon'i Lebona).''20Nandidy ireo lelahin'i Benjamina areo, nagnano hoe: '' Mandehana ka mivonia ary mandiasa ao amin'ny tanimbôloboke.21 Mandiasa ny fotôgna ijay hivoahan'ireo jajaviavy avy agny Silo handihy, die ùivoaha malaky avy ao amin'ny tanim-bôloboke ka manambora vady avy amin'ireo jajaviavy avy agny Silo ny Kiraidraike aby aminareo, avy eo die mipodiana agny amin'ny tanin'i Benjamina.22Laha tonga hanohitre antsena ireo iaban-dreo na ireo anadahin-dreo, die hijake antsena hoe: '' Anehoy famindram-po ahay! Abelao areo hijanogna satria tsy mba nahajo vady ho an'ny lelahy kiraidraike nandritre ny ady ahay. Tsy manan-tsiny anareo, satria tsy nomenareo an-dreo ny janakareo vavy.''23Namboarin'i vahôkan'i Benjamina ijany. Nalain-dreo tamin'ireo jajaviavy ijay nandihy ny isan'ny vady ijay nilain-dreo ka die nindôsin-dreo ho vadiny areo. Lasa areo ary nipôdy tagny amin'ny toeran-dovan-dreo. Naorin-dreo indraike ny tanàna sy nidoboke tao amin'ijany. 24Die nandao ijany toerana ijany ka nandeha nody ny vahôkan'i Israely, samy agny amin'ny foko sy ny fianakaviany aby, ary samy agny amin'ny lovany aby25Tsy nisy mpanjaka tao Israely tamin'ijany andro ijany. Samy nagnano ijay marina teo imasony ny olo abiaby.

Ruth

Chapter 1

1Tamin'ny andro nanapahan'ireo mpitsara die nisy mosary teo amin'ny tany, ary nisy lelahy raike avy Betleheman'i Joda nandeha tagny amin'ny tanin'i Moaba niarake tamin'i vadiny sy ireo janagny roe lahy. 2Ny agnaran'ilay lelahy die Elimeleka, ary ny agnarany vadiny die Naomy. Ny agnaran'ireo janagny roe lahy die Malona sy Kiliona, ijay Efraita avy agny Betleheman'i Joda. Tonga tagny amin'ny tanin 'i Moaba areo ary nonigna tao.3Ary maty i Alimeleka vadin'i Naomy, ka ijy sisa tavela niarake tamin'ny janagny roalahy. 4Ireo janagny lahy ireo die nangala vady tamin'ireo viavin'i Moaba; ny agnaran'ny iraike die Orpa, ary ny agnaran'ny raike die Rota. Nidoboke tao nandritre ny folo taogna areo. 5Avy eo die maty i Malona sy Kilona, namela an'i Naomy tsy misy vadiny ary tsy misy ireo janagny roe.6vy eo Naomy nanapa-kevitre ny handao an'i Moaba miarake amin'ny vinantony vavy ary nipody tagny Joda satrie efa regniny tao amin'ny faritr'i Moaba fa efa nagnampy ny vahôkany ijay nila fagnampiana i Yaveh ary nagnome rahaninan-dreo. 7Die nandao ny toerana ijay niarahany tamin'ny vinantony vavy roe ijy, ka nandeha nijotso ny lalagna areo mba hipody amin'ny tanin'i Joda.8Hoy i Naomy tamin'ireo vinantony vavy roe hoe: ''Mandehana, mipody, agny amin'ny tragnon'ny endrinareo, anareo kiraidraike aby. Yaveh anie hagnaboke ny hatsaram-panahy eo aminareo, hôtran'ny nampiboahanareo hatsaram-pagnahy tamin'ny maty sy tamin'ahy. 9Ny Tompo anie hagnome anareo ka hahitanareo fiadanana, anareo kiraidraike aby ao amin'ny tragnon'ijay vady hafa. '' Ary nagnoroke an-dreo ijy sady nanandratre ny feony areo nitagny. 10Hoy areo tamin'ajy hoe: ''Tsiare! hiara-hipody aminao ho agny amin'ny vahôkanao ahay. ''11Nefa i Naomy nilaja hoe: '' Mandehana Mipody, ry janako vavy! Nagnino anareo no handeha hagnarake an'ahy? Mbola hanagna jajalelahy ato an-trokako ve iaho ho anareo; ka ho lasa vadinareo areo? 12Mandehana mipody, ry janako vavy, jory ny lalagnareo, fa efa antitre iaho laha hanambady. laha mijake iaho hoe: 'Magnantegna iaho fa hahajo vady aligna, ary hamaitre jajalelahy, 13die mbola hahadigny an-dreo mandra-pahalehibeny ve anareo? hahadigny ve anareo ary tsy hanambady lelahy ankehitriny? tsiary, ry janako vavy! Mampalahelo an'ahy indrindrake ijany, mihôtre noho ny alahelonareo ny amin'ijany, satria ny tagnan'i Yaveh no namely an'ahy.''14y nanandratre ny feony ireo vinantony vavy sady nitagny indraike. Nagnoroke nagnano veloma ny rafojany vavy i Orpa, fa i Rota nifikitre teo amin'ajy. 15Hoy Naomy hoe: Tenoy, nody tagny amin'ireo vahôkany sy ireo andriamaniny ny valilahinao. Mipodiana miarake amin'ny valilahinao.''16Nefa i Rota nijaka hoe: ''Aja abela hagnalavitre anao iaho, fa ijay ombanao, die hombako, ijay hijanognanao, die hijanognako; ny vahôkanao die ho vahôkako, ary ny Andriamanitrao die ho Andriamanitro, 17Ijay toerana hahafatesanao, die hahafatesako, ary agny no handevegnana an'ahy. Yaveh anie hagnasajy an'ahy, ary mihôtra aja, laha ny fahafatesana fa tsy raha hafa ijany no mampisarake antsena. ''18 Laha hitan'i Naomy fa tapa-kevitre handeha hiarake amin'ajy i Rota, die nanajanogna ny fiadian-kevitre tamin'ajy ijy.19Die nandeha ijy roe mandra-pahatongan-dreo tao an-tanàn'i Betlehema. Ijao no niboke laha tonga tao Betlehema areo, ny tao an-tanàna manontolo die taitre tamin-dreo. 20Hoy raviavy hoe: Naomy ve itoy? Kanefa hoy ijy tamin-dreo hoe:'' Aja angehana hoe Naomy iaho. Angeho hoe iaho, satria nampitondra an'ahy mangidy indrindrake ny tsitoha. 21Nivôke feno iaho, nefa Yaveh nitondra an'ahy nipody tamin'ny tagnam-polo tao an-dragno. Noho ijany nahôna anareo no mangaike an'ahy hoe Naomy, amin'ny fahitana ny fagnamelohan'i Yaveh an'ahy, fa ilay Tsitoha die nampahory an'ahy?''22Ary Naomy sy Rota ilay Moabita, vinantovaviny die niverigna tany amin'ny tanin'i Moaba. Tonga tao Betlehema areo tamin'ny fiandohan'ny fambilejam-bary.
Chapter 2

1Ary Elimeleka, vadin'i Naomy, die nanagna havana akeky, i Boaza, ijay nanan-karena, sy lelahy nanam-pahefana.2 Rota, ilay Moabita, nijaka tamin'i Naomy hoe: ''Ankehitriny avelao iaho handeha ary hitsimpogna ijay sisa tavela amin'ireo tovohindy egne an-karegnana. Hagnarake ijay olo hahitako fitia eo imasony iaho. '' Mandehana, ry janako vavy. ''3ie lasa i Rota ary nitsimpogna ijay sisa tabela tegne amin'ny haregnana laha avy nofaragnan-dreo ijany. Ary sendra tonga teo amin'ny anjara sahan'i Boaza, ijay havan'i Elimeleka ijy. 4Ary io, Boaza tonga avy tagny Betlehema ary nijaka tamin'ireo mpinjinja hoe: '' Ho aminareo anie i Yaveh. '' namaly an'ajy areo hoe: Hitahy anao anie i Yaveh.''5Ary Boaza nijake tamin'ny mpanompony ijay nagnara-maso ireo mpinjinja hoe: ''Janak'ija moa io jajaviavy io? ''6 ilay mpanompo mpagnara-maso ny mpamaragna namaly ary nijaka hoe: '' Jajaviavy Moabita niara-nipody tamin'i Naomy avy agny amin'ny tanin'i Moaba io.7 Nijaka tamin'ahy ijy hoe: ' Mba abelao rô iaho hitsimpogna ijay ambiny eo an-karegnana laha avy namaragna ny vokatre ireo mpiasa.' Koa die tonga teto ijy ka nanohy nanomboka tamin'ny maraigna ka lahatamin'ijao, fa nangala aigna kely tao an-dragno ijy.''8Die hoy Boaza tamin'i Rota: ''Miteno an'ahy ve anao, anake? Aja mandeha mitsimpogna agny amin'ny haregnana hafa; aja mandao ny haregnako. fa koja, mijanogna eto ka miara-miasa amin'ireo javavy mpiasako. 9Eo amin'ny haregnana ijay hamaragnan'ny jalahy mandy no afantohy ny masonao ka manaraha avy afaran'ireo viavy hafa. Tsy efa nijaka ireo jalahy tsy hikasike anao ve iaho? Na ovena na ovena anao no maka, die afake menga eo amin'ny sinin-drano anao ary minogna ny rano ijay notovojin'ireo Jalahy.'10die niankohoke teo ankatrehan'i Boaza ijy, nampikasike ny lohany tamin'ny tany. Hoy ijy tamin'ajy: ''Nagnino no die nahita fitia teo imasonao iaho, ka miahy an'ahy anao, iaho ijay tsy mpivahiny?''11 Namaly i Boaza ka nijaka tamin'ajy hoe: '' Vôtatitre tatoy amin'ahy, ijay abiaby nataonao lahatamin'ny nahafatesan'ny vadinao. Nandao ny abanao, ny endrinao, ary ny tany nilatsahan'ny tavoninao anao mba hagnaraka ny rafonjam-bavinao ka handeha ho agny amin'ny vahôke ijay tsy fantatrao. 12Andriamanitrao anie hamaly fitia anao nohon'ny asanao. Enga anie anao handray ny tambiny feno avy amin'i Yaveh, ilay Andriamanitr'i Israely, ijay nahitanao fialofana tao ambany elany.''13Die hoy ijy avy eo: ''Ôke hahita fitia eo imasonao iaho, tompoko, fa nampionona an'ahy anao, ary nijaka tamin'ny fahatsoram-po tamin'ahy, na die tsy isan'ireo mpanompo vavinao aja iaho.''14Tamin'ny lera fihinanana die hoy i Boaza tamin'i Rota: ''Avia eto, ary mihinagna amin'ny mofo, ka atsobohy ao amin'ny divay marikivy ny sombi-mofonao. ''Die nidoboke teo akekin'ireo mpinjinja ijy, ary nanolotre vary vôendy ho an'ajy ijy. Nihinagna ijy ambara-pahavokiny ary navelany ny ambin'ijany.15Laha igny ijy nitsangagna hanangogna voa igny, die nandidy ireo jalahy i Boaza, nagnano hoe: ''Oke ijy hagnangogna voa na die eo amin'ireo fehim-bary ireo aja, ary aja mijaka an'ajy tsy hagnano an'ijany.16 Ary manipaja tovom-bary maromaro avy amin'ny fehim-bary ho an'ajy mandy, die abelao ijany mba ho avoriny, ary aja mijaka an'ajy.''17Koa die die mitsimpogna tegne an-karegnana ijy mandrapaha-tsondrognan'andro. Avy eo die namioke ireo tahom-bary ijay vôangony ijy, ary vary hordea teo ho eo amin'ny raike efaha ijany. 18Nampekariny ijany ka nenga agny an-tanàna ijy. Avy eo die hitan'ny rafom-baviny ireo vôangony. Nitondra vary vôendy ambin'ilay haninany mandy koa i Rota ka nagnome ijany ho an'ajy.19Hoy ny rafojam-baviny tamin'ajy hoe: ''Taja anao no mitsimpogna niany? Taja anao no nandeha niasa? Ho tahiana anie ny lelahy ijay nagnampy anao. ''Die nojakain'i Rota tamin'ny rafojam-baviny ny momba ilay lelahy ijay nanagna ilay harenagna niasany. Hoy ijy hoe: Boaza no agnaran'ilay lelahy ijay tompon'ny tany niasako niany. 20''Hoy Maomy tamin'ny vinantovaviny hoe: ''Ho tahian'i Yaveh, ilay tsy nahafoy ny fahitsiany tamin'ny velogna sy ny maty anie ijy. '' Hoy i Naomy tamin'ajy: ''Havantsena akeky ilay lelahy, raike amin'ny havana mpagnavotre antsena.''21Hoy i Rota Moabita hoe: ''Hoy Tokôtre ijy tamin'ahy hoe: ''Tokony hifagnekeky amin'ny jalahiko fehijay anao ambara-pavitan-dreo ny famaragnana ny vokatro abiaby. ''' 22Hoy i Naomy tamin'ny Rota vinantovaviny hoe: ''tsara ijany, ry janako vavy, ny handehanano miarake amin'ireo mpiasany vavy, mba tsy hisy hanjo anao agny amin'ny haregnana hafa.''23Koa die nitoetre marivon'ireo mpiasa vavin'i Boaza ijy mba hitsimpogna ambara-pahatapitry ny finjinjana vary hordea sy ny fijinjana varim-bajaha. niara-nonigna tamin'ny rafojam-baviny ijy.
Chapter 3

1Ary Naomy, rafojam-baviny, nijaka tamin'ajy hoe: ''Ry janako vavy, tsy tokony handrembe toerana mba hitrihenao ve iaho, mba hahatsara anao? 2Ary Boaza, ilay lelahy ijay niarahanao ny mpiasa vavy mpanompony, tsy havantsena ve ijy? Ijao, hikororoka vary hordea ao am-pamiham-bary ijy amin'ny aligna.3Noho ijany, sasao ny tegnanao, hosory menake ny tegnanao, anôvy ireo akanjonao tsara indrindrake, ary mijotsoa agny am-pamiham-bary. Fa aja atao fantatry ny olo anao mandra-pahavitany mihinagna sy minogna. 4Fa efa mandigny ijy mariho ny toerana ijay handriany mba hahafahanao menga agny amin'ajy avy eo, alay ny lamba amin'ny hongony, ary mandria eo. Die hojakainy aminao ijay hatao. '' 5Hoy Rota tamin'i Naomy: '' Hagnano ny raha abiaby nojakainao iaho.'6Ka die nijotso tagny am-pamiham-bary ijy ary nagnarake ireo toro-marike nomen'ny rafojam-baviny an'ajy. 7Laha nihinagna sy ninogna i Boaza ary faly ny fony, die nandeha nandry teo amin'ny faran'ny antontam-bary ijy. Avy eo die tonga tsimoramora ijy, nangala ny lamba tamin'ny hongony, ary nandry.8IJao no nibôke laha taitre ralelahy tamin'ny misasakaligna. Nitodike ijy, ary tampoke teo io nisy viavy nandry teo an-kongony! 9Hoy ijy: ''ija anao?'' Die namaly ijy hoe: '' Iaho no Rota, mpanompo vavinao ny lambanao, fa havana akeky anao.''10Hoy i Boaza: ''Ry janako vavy, hotahin'i Yaveh anie anao. Efa naneho hatsaram-pagnahy bebe loholoho tamin'ny ato afara noho ny tamin'ny vôlohany anao, satria tsy nagnarake ny jalahy anao na mahantre na manan-karena. 11Ankehitriny, ry janako vavy, aja matahotre! Hataoko ho anao ny abiaby ijay jakainao, satria ny tanànan'ny vahôkako abiaby mahafantatre fa viavy mendrika anao.12na fa havana iaho, nefa misy havana akeky loholoho noho iaho. 13Mijanogna eto amin'ny aligna, ary amin'ny maraigna, laha hagnantanterake ny adidin'ny maha-havana akeky ho anao ijy, tsara ijany, ôka ijy hagnano ny adidin'ny maha-havana akeky. Fa laha tsy hagnano ny adidin'ny maha-havana akeky ho anao ijy, die hataoko ijany, noho ny fahaveloman'i Yaveh. Mandria mandra-maraigna.''14e nandry teo ankongony mandra-maraigna ijy. Fa nifoha ijy laha mbola mejigna tsy ahalalana olo igny ny andro. Fa i Boaza nijaka hoe: ''Ôka tsy ho fantatre hoe tonga eo am-pamiham-bary raviavy.'' 15Die hoy i Boaza: ''Indôsy ny sikigna fitafianao ary tajony ijany.'' Laha nagnano hôtran'ijany ijy, die nandrefy vary hordea inenin'ny fagnaranana tao agnatin'ijany ijy ary nametrake ny entagna teo amin'ajy. Die nenga agny an-tanàna ijy.L16aha tonga tagny amin'ny rafojam-baviny i Rota, die hoy ijy : Ahôna no nataonao, ry janako vavy? Die nijaka tamin'ajy ny abiaby ijay namboarin-dralelahy tamin'ajy i Rota.17 Hoy ijy: '' Ito vary hordea in'enin'ny fagnaranana ito no nomene an'ahy, fa hoy ijy: 'Aja mandeha fotsiny amin'ijao menga agny amin'ny rafojam-bavinao.' 18Die hoy i Naomy: ''Mijanogna eto, ry janako vavy, mandra-pahafantaranao ijay fivadihan-draha, fa hitrehe ralelahy mandra-pahavitan'ijany raha ijany niany.''
Chapter 4

1Ary niakatre teo amin'ny vavahady i Boaza ary nijanogna tegne. Io, tonga ilay havana akeky ijay efa nivorianin'i Boaza. Hoy Boaza tamin'ajy hoe: ''Ry namako, magnatona ary midoboha eto. ''Nagnatogna ilay lelahy ary nidoboke. 2Avy eo nangala lelahy folo tamin'ireo loholo teo an-tanàna i Boaza ary nijaka hoe: ''Midoboha eto. ''ka nidoboke areo.3Hoy i Boaza tamin'ilay havana akeky hoe: ''Naomy, ijay nipody avy agny amin'ny tanànan'i Moaba, die mivarotre ampahan-tany ijay an'i Elimeleka rahalahintsena. 4Nieritreritre ny hampahafantatre anao sy hijaka aminao iaho hoe: 'Vidio eo ankatrehan'ireo ijay midoboke eto ijany, ary eo ankatrehan'ireo loholon'ny vahôkako. ' fa laha magniry ny hagnavotre an'ijany anao, avoty ijany. Fa laha tsy tianao ny hanavotre an'ijany, die jakay iaho, mba hahafantarako, satria tsy misy hagnavotre an'io ankotre anao ary iaho manohagna anao. ''Ary hoy ilay lelahy raike hafa hoe: ''Ho avotako io.''5ry hoy i Boaza hoe: ''amin'ny andro ijay hivanganao io tany egne an-tanagnan'i Naomy io, die tsy mentsy mangala an'i Rota ilay Moabita? vadin'ilay lelahy maty, mba hanadratre ny agnaran'ilay lelahy maty amin'ny lovany mandy koa anao.''6 Ary hoy ilay havana akeky hoe: ''Tsy afake hagnavotre an'ijany ho an'ny tegnako iaholaha manimba ny lovako ijany. Alay ho anao ny jon'i fagnavotako, satria tsy afake ny hagnavotre an'ijany iaho.''7Ary ijany no fomba taloha taoi Israely mahakasike ny fagnavotana sy fifanakalojan'entagna. Mba hagnamafisana ny raha abiaby, ny lelahy die nangala ny kirarony ary nagnome an'ijany ho an'ny ùpiara-belogna amin'ajy; ijany no fomba fanôvana fifanekena manara-dalàna tao Israely. 8ka hoy ilay havana akeky tamin'ny Boaza hoe: ''Vangao ho an'ny tegnanao ijany, ''ary nalainy ny kapany.9Ary hoy Boaza tamin'ireo loholo sy olo abiaby hoe: ''Vavolombelogna anareo niany fa efa novangaiko aby ijay abiaby an'i Elimeleka sy ijay abiaby an'i Kilona ary Mahalona tegne an-tagnany Naomy. 10Laha ny momban'i Rota ilay Moabita, vadin'i Mahalona: Efa nalaiko ho vadiko koa ijy, mba hahafahako manandratre ny agnaran'ilay lelahy maty mba ho lovany, ka tsy hiala eo amin'ireo rahalahiny sy eo amin'ny vavahadin'ny fonegnany ny agnarany. Vavolombelogna anareo niany.''11Hoy ireo olo abiaby ijay teo amin'ny vavahady sy ireo loholo hoe:" Vavolombelogna ahay. I Yaveh anie hagnano ilay viavy ijay tonga ao an-dragnonao hôtran'i Rahely sy lea, ijy roe ijay nanangagna ny tragnon'ny Israely; ary enga anie anao hahomby ao Efrata ary halaja ao Betlehema. 12Enga anie ny tragnonao hôtran'ny tragnon'i Fareza, ijay nafaitr'i Tamara tamin'i Joda, amin'ny alalagn'ny taranake ijay homen'i Yaveh anao miarake amin'io jajaviavy io.''13Ka niresin'i Boaza i Rota, ary die lasa vadiny ijy. Niara-nandry tamin'ajy ijy, ary i Yaveh die namela an'ajy ho betroke, ary namaitre jajalelahy ijy. 14Hoy ilay viavy tamin'i Naomy hoe: ''Hisaorana anie i Yaveh, ijay tsy namela anao tsy hanan-kavana akeky, die itoy jaja itoy. Halaja ao Israely anie ny agnarany. 15Enga anie ijy ho ilay hagnapody ny fiaignanao amin'ny laoniny ary hikarakara anao laha efa antitre anao, fa vinantonao, ijay tia anao, ijay tsara aminao mihôtre noho ny janaka fito lahy, no namaitre an'ajy.''16Noresin'i Naomy ilay jaja,dia nampatoriany teo an-tratrany, ary nokarakarainy. 17Nomen'ireo viavy mpiara-belogna agnarana ijy hoe: "Ilay jaja lelahy namaitre ho an'i Naomy. ''Nangehan-dreo hoe obeda. Ijy die namaitre an'i Jese, ijay namaitre an'i Davida18Ary ireto no taranak'i Fareza: I Fareza die namaitre an'i Hezrona,19 i Hezrona namaitre an'i Rama, i Rama namaitre an'i Aminadaba, 20i Aminadaba namaitre an'i Nasona, i Nasona namaitre an'i Salmona, i21 Salmona namaitre an'i Boaza, i Boaza namaitre an'i Obeda, 22Obeda namaitre an'i Jese, ary i Jese namaitre an'i Davida.

1 Samuel

Chapter 1

1Nisy lelahy raike nivôke hatagne Ramataima an'i Zefotita, tane havôn' ny Efraima; ny agnarane die Elkana janaka lahin'i Jeroama janaka lahin'i Eliho janaka lahin'i Toho janaka lahin'i Zofa, ilay Efraimita. 2Nanagna sakeja roe ijy, ny vôlohane die i Hana, ary ny agnaran'ny faharoe die Penina. Nanagn'anake i Penina, fa i Hana koja tsy mba nanagna.3Io lelahy io die isan- taogna die nienga laha tagne amin'ny tanànane mba hanompo sady hagnano sorogna hô an'i Yaveh tompon'ny maro ao Silo. Tao ny janaka roe lahin'i Ely, Ofnia sy Finehasa, mpisorogn'i Yaveh. 4Laha avy ny anjara andro hamboaran'i Elkana sorogna isan-taogna, die nagnome ampahana hena an'i Penina sakejane lalandava ijy, ary hôn'ny janagne lelahy sy ny janagne viave abiaby.5Fa ho an'i Hana koja die ampahane roe fehijay ny nomene an'aje, satria tiane i Hana, na die efa natan'i Yaveh momba aja ijy. 6Nihantsy an'aje fatratra ny rafivavine mba handrangitra an'aje, satria i Yaveh nahamomba an'aje.7Ka isan-taogna, laha nagnanike tagne an-dragnon'i Yaveh ijy mia miaraka amin'ny havane, die nihantsy an'aje hatragne ny rafivavine. Noho ijany die nitagny sady tsy nihinagna na ino na ino ijy. 8Fa i Elkana vadine nijaka tamin'aje fehijay hoe: "Hana, nagnino anao no mitagny? Nagnino anao no tsy mihinagna? Tsy tsara aminao noho ny janaka lahy folo ve iaho?9Indraike mandeha, die nienga i Hana laha avy nihinagna sady ninogna tao Silo areo. Ary Ely mpisorogna nitoboke teo amin'ny sejane teo akekin'ny vavahadin'ny tempolin'i Yaveh. 10Ory tanteraka ijy; nivavaka tamin'i Yaveh ijy sady nitagny mahare.11Nagnano voady ijy ka nagnano hoe: "Ry Yaveh tompon'ny maro, laha hitanao ny fijalian'ny mpanomponao die tsarovy iaho, sady aja magnadigno ny mpanomponao, fa omeo jaja lelahy koja ny mpanomponao, die homeko an'i Yaveh ijy amin'ny androm-piaignane abiaby, sady tsy hisy hety hikasika ny lohane.12Ary laha mbola nanohy nivavaka teo agnatrehan'i Yaveh ijy, die nijahan'i Ely ny vavane. 13Nijaka tam-pony tao i Hana. Nihetsiketsika ny vavane, kanefa tsy regny ny feone. Ka die nieritreritra i Ely fa mamo ijy. 14Die hoy i Ely tamin'aje: "Hafiriana anao ny ho mamo? Miengà amin'ny dovainao."15Hana namaly hoe: "Tsiare, tompoko, viave ory am-pagnahy iaho. Tsy ninogna iaho na dovay na raha maha-mamo, fa mamboraka ny agnatiko ato eto agnatrehan'i Yaveh iaho. 16Aja eritreretina ho viave tsy misy hegnatre ny mpanomponao; nijaka tamin'ny haben'ny fijaliako sy ny fihantsiana an'ahe iaho."17Ary Ely namaly ka nagnano hoe: "Mandihàna am-pedagnana; Andriamanitr'Israely anie hamaly ny fangatahana ijay nanagatahinao tamin'Aje." 18Hoy ilay viave: "Ôka hahita sitraka eo amasonao ny mpanomponao." Die nandeha tamin'ny lalany raviave ka nihinagna; tsy nalahelo koa ny endrigne.19Nienga vô mangiran-dratsy areo ka nanompo teo agnatrehan'i Yaveh, ka nimpody tagne an-dragnone tagne Rama indraike areo avy teo. Niara-nandry tamin'i Hana sakejane i Elkana, ary Yaveh nahatadidy an'aje. 20Laha avy ny fotôgna, die nitoe-jaja i Hana ka niteraka jaja lelahy. Nangaike ny agnarany hoe: Samoela ijy, nagnano hoe: "Satria laha tamin'i Yaveh ny nangatahako an'aje."21Elkana sy ny ankohonany abiaby die nagnanike indraike mba hanolotra ny sorogna isan-taogna ho an'i Yaveh ka nagnefa ny voadine. 22Fa i Hana koja tsy nandeha; efa nijaka tamin'ny sakejane ijy hoe: "Tsy handeha iaho mandra-pisara-nono ny jajakely; ka hindôsiko ijy, mba hahafahane miseho eo agnatrehan'i Yaveh ka hipetraka agne mandrakijay." 23Hoy i Elkana tamin'aje hoe: "Atôvy ijay hitanao fa tsara aminao. Mandiàsa mandra-pampisarahanao nono an'aje; kanefa Yaveh mandy anie ny hagnamafy ny jakane." Die nijanogna ilay viave ka niteja ny janagne lahy mandra-pagnasarahane nono an'aje.24Laha nisarahane nono ijy, die nindôsine niaraka tamin'aje, niaraka tamin'ny janak'ahomby kely telo taogna raike, hanina efaha raike, ary tavoangin-dovay raike, ka nindôsine tao an-dragnon'i Yaveh tao Silo ijy. Ary mbola kely ny jaja. 25Nivonin-dreo ny janak'ahomby, ka nindôsine tagne amin'i Ely ny jaja.26Hoy ijy hoe: "O,ry tompoko! Laha mbola velogna koa anao, ry tompoko, iaho ilay viave ijay nitsangagna teo akekinao nivavaka tamin'i Yaveh. 27Fa itoy jaja itoy ny nivavahako ka nomen'i Yaveh an'ahe ny fangatahako ijay nangatahiko tamin'aje. 28Efa nomeko an'i Yaveh ijy, laha mbola velogna koa ijy die hatolotra an'i Yaveh." Die nanompo an'i Yaveh teo ijy.
Chapter 2

1Nivavaka Hana ka nagnano hoe: "Ny foko mifaly ao amin'i Yaveh. Ny tandroko misandratra amin'i Yaveh. Ny molotro mirehareha manolôna ny fahavaloko, satria mifaly amin'ny famonjenao iaho.2Tsy misy masina manahaka an'i Yaveh, fa tsy misy hafa ankôtra Anao; tsy misy vatolampy manahaka ny Andriamanitrantsena.3Aja mirehareha lôtre koa; ôka tsy havôkan'ny vavanao ny fiavognavognana. Fa Yaveh no Andriamanitry ny fahalalana; amin'ny alalany ny handanjana ny asa. 4Ny tsipìkan'ny lelahy mahery die tapake, fa ny tafatohigna koja die misikin-kery hôtran'ny fehin-troke.5Areo ijay voky die nikarama mofo; areo ijay mosaregna die nijanogna tamin'ny mosary. Na ny momba aja miteraka fito, fa ny viave managn'anaka rahabe koja die mivalaketrake.6Yaveh ny mahafaty sady mitondra amin'ny fiaignana. Ijy ny mampijotso agne amin'ny fiaignan-tsy hita sady manangagna. 7Yaveh ny mampahantra ny olo saragne ary mampanakarena ny saragne. Mampietry Ijy, nefa mampisandratra mandy koa.8Mampitraka ny mahantra hienga tamin'ny botany Ijy. Mampisondrotra ny ory hienga tamin'ny lakevogna mba hametraka an-dreo miaraka amin'ny andrian-dahy ka handova ny sejam-boninahitra. Ny andrian'ny tany abiaby die an'i Yaveh sady teo amin'io ny nametrahane an'ijao tontolo ijao.9Hambenane ny hongotry ny olo mahatoky, fa ny ratsy fagnahy koja die hampangignina agne amin'ny hejim-pito, satria tsy misy handresy amin'ny hery.10Areo ijay manohitra an'i Yaveh die ho potipotike; hampikotrok'erike laha tagne an-dagnitre hanohitra an-dreo Ijy. Yaveh ny hitsara ny faran'ny tany abiaby; hagnome hery ny mpanjakane Ijy ka hanondrotra ny tandrok'ilay voahosony."11Avy eo i Elkana die negnagne Rama, tagne an-dragnone. Nanompo an'Andriamanitra teo amin'ny fagnatrehan'i Ely mpisorogna ny jaja.12Ary lelahy ratsy fagnahy ny janaka lahin'i Ely. Tsy nahalala an'i Yaveh areo.13 Ny famboarin'i mpisorogna miaraka amin'ny vahôke laha nisy lelahy nagnome sorogna, die magnantogna ny mpanompon'ny mpisorogna ka mitondra fitrebike telo rantsagna egne an-tagnane, laha mbola mangotraka ny hena.14 Hatrobokane ao agnaty lasitra ijay, na fandrahôna hena, na vilagny, na vilagnibe. Ireo abiaby ajon'ny fitroboke ao die alain'ny mpisorogna hôn'aje. Namboarin-dreo tao Silo niaraka tamin'ny Israelita abiaby ijay avy tao ijay.15Ratsy lavitra aja, melohakan'ny nagnoroan-dreo ny sabora, die igne ny mpanompon'ny mpisorogna, ka nijaka tamin'ny lelahy ijay nambôtre ny sarogna hoe: "Omeo hena ho atsatsika ny mpisorogna, fa tsy hagneky hena nandrahoina laha taminao ijy, fa ny manta mandy." 16Laha mijaka amin'aje ny lelahy hoe, "Tsy mentsy orôn-dreo aloha ny sabora, ka avy teo die afaka mangala rahabe araka ijay tianao anao." Die valiane hoe: "Tsiare, fa omenao ijao ankehitriny ijao mandy ijay; fa laha tsy ijay, die halaiko an-keriny ijay." 17Maventy die maventy tokôtre ny helok'ireo jatovo lahy manolôna an'i Yaveh, satria natan-dreo tsinotsino ny fagnatitra an'i Yaveh.18Fa i Samoela die nanompo an'i Yaveh laha mbola jaja nekanjo efoda rongony fotsy. 19Nagnamboaran'iendrine akanjo lava kely ijy ka nindôsine hôn'aje isan-taogna isan-taogna ijay, laha nagnanike niaraka tamin'ny sakejane mba hanolotra fagnatitra famboarina isan-taogna ijy.20Ary Ely nitso-drano an'i Elkana sy ny sakejane ka nijaka hoe: "Hagnome anao jaja rahabe amin'itoy viave itoy anie Andriamanitra nohon'ny fangatahana ijay natane tamin'i Yaveh." Avy teo die nimpody tagne an-dragnone areo.21 Nagnampy an'i Hana indraike i Yaveh, ka nitoe-jaja indraike ijy. Niteraka telo lahy sy telo vavy ijy. Nandritra an'ijay fotôgna ijay, die nitombo teo agnatrehan'i Yaveh i Samoela jaja.22Ary efa antitre tokôtre i Ely; regnine aby ijay abiaby natan'ny janagne lahy tamin'ny Israely abiaby, sy ny nandrian-dreo niaraka tamin'ny viave ijay nanompo eo amin'ny fidirana ao amin'ny lay fihôgnana. 23Hoy ijy tamin-dreo: "Fa magnino anareo no mambôtre raha manahaka ijay? Efa regniko tamin'ny olo abiaby aby ny raha ratsy namboarinareo. 24"Tsiare, ry janako; tsy tatitra tsara ny regniko. Mahatonga ny vahôkan'i Yaveh tsy hankatò anareo.25"Laha misy olo raike magnota amin'ny raike hafa, die hitsarain'Andriamanitra ijy; fa laha misy lelahy raike magnota amin'i Yaveh, ija ny hisolo vava an'aje?" Fa tsy hiteno ny feon'iabane areo, satria Yaveh efa nikasa ny hahafaty an-dreo.26 Niha-lehibe i Samoela jaja, ka nitombo fitia tamin'i Yaveh sy tamin'ny olo mandy koa.27Ary nisy lelahin'Andriamanitra raike nagnantogna an'i Ely ka nagnano tamin'aje hoe: "Ijao ny vorianin'i Yaveh, 'Tsy efa nagnatoro ny tegnako taminao tamin'ny ankohonan'ny rajambenao ve Iaho, laha mbola tagne Egypta tamin'ny fagnandevojan'ny ankohonan'i Farao areo? 28Nifidiko tagnatin'ny fokon'Israely abiaby ijy mba ho mpisoroko, mba hagnanike egne amin'ny alitarako, sady mba hagnoro ny ditin-kajo magnitre, mba hekanjo efoda manolôna an'Ahe. Nomeko hôn'ny taranaky ny rajambenao ny fagnatitra abiaby natan'ny vahôkan'Israely tamin'ny afo.29Nagnino ary, anao no maniratsira ny sorogna sy fagnatitro ijay nitakiko ho eo amin'ny toerana fitpitrahako? Nagnino no omenao voninahitra mihôtre an'ahe amin'ny fagnatavijana ny tegnanareo amin'ny tsara indrindra laha tamin'ny fagnatitra abiabin'ny Israely vahôkako ny janakao? 30Fa Yaveh, Andriamanitr'Israely, mijaka hoe: 'Nampagnantegna Iaho fa ny taranakao, sy ny ankohonan'ny rajambenao, die handeha eo agnatrehako mandrakijay.' Nefa ankehitriny koja die hoy Yaveh: 'Sagnatria amin'Ahe ny hagnano an'ijay, ijay magnome voninahitra an'Ahe ny homeko voninahitra, fa ijay magnano tsinotsino an'Ahe koja no ho tsinotsinoaviko.31Indro, ho avy ny andro ijay hanapahako ny herinao sy ny herin'ny ankohonan'ny rajambenao, ka tsy hisy lelahy ho tratra antitra koa amin'ny taranakao. 32Hahita fijaliana egne amin'ijay toerana hipitrahako anao. Na die omenao soa aja ny Israely, die tsy hisy lelahy ho tratra antitra koa amin'ny taranakao. 33Ny saragne aminareo ijay tsy halaiko amin'ny alitarako, die hatako tsy mahita ny masonareo, ka hahavy alahelo ny amin'ny fiaignanareo Iaho. Ny lelahy abiaby ijay teraka ao amin'ny havanareo die ho faty.34Ijao ny famantarana ho anao ijay hahavoa ny janakao roe lahy, amin'i Hofinia sy Finehasa: Samby ho faty amin'ny andro raike ijy mirahalahy io. 35Hanangagna mpisorogna mahatoky hoa an'ny tegnako ijay hagnatanteraka ny ao am-poko sy ny ao amin'ny fagnahiko Iaho. Hamorogna tragno ajo antoka hôn'Aje Iaho; sady handeha eo alohakan'ny mpanjaka ijay vôhosotre mandrakijay ijy.36Ijay abiaby sisa tavela amin'ny taranakao die ho avy ka handohalike amin'aje eo, hangataka sombim-bolafotsy sy mofo, sady hijaka hoe: "Mba tondroy ho isan'ny raike amin'ny mpisorognanao moa iaho mba hahafahako mihinagna sombi-mofo raike.""'
Chapter 3

1Nanompo an'i Yaveh teo amin'ny fagnatrehan'i Ely i Samoela jaja. Vitsy ny jakan'i Yaveh tamin'io andro io; tsy die nisy fahitana ara-paminaniana matetike. 2Tamin'ijay fotôgna ijay, Ely, ijay efa nanomboka tsy nahita ny masone ka tsy mahita tsara, die nandry tam-pandriena teo. 3Mbola tsy maty ny fanilon'Andriamanitra, ka nandry mba hatory tao amin'ny tempolin'i Yaveh i Samoela, tao amin'ijay nisy ny fiaran'Andriamanitra. 4Yaveh nangaike an'i Samoela, ijay nagnano hoe: "Itoy iaho."5Nihajakajaka negnagne amin'i Ely i Samoela nijaka hoe: "Itoy iaho, fa nangaike an'ahe anao." Hoy i Ely: "Tsy nangaike anao iaho, mimpodiana mandry." Ka nienga i Samoela ka nandry. 6Nangaike indraike i Yaveh hoe: "Ry Samoela." Die nitsangagna indraike i Samoela ka negnagne amin'i Ely, nagnano hoe: "Itoy iaho, fa nangaike an'ahe anao. Die namaly i Ely hoe: "Tsy nangaike anao iaho, ry janako, mimpodiana mandry."7Ary Samoela die mbola tsy die nahafantatra lôtre an'i Yaveh, na nisy hafatra tamin'i Yaveh natoro tamin'aje.8 Nangaike an'i Samoela fagnintelone indraike i Yaveh. Nitsangagna indraike i Samoela ka negnagne amin'i Ely sady nijaka hoe: "Itoy iaho, fa nangaike an'ahe anao." Die fantatr'i Ely fa i Yaveh ny nangaike an'ilay jajalelahy.9Die hoy i Ely tamin'i Samoela: "Mandihàna ka mimpodiana mandry; laha mbola mangaike anao indraike Ijy, die tsy mentsy mivoria anao hoe: "Mijakà, ry Yaveh, fa miteno ny mpanomponao."' Ka nienga i Samoela ka nandry tamin'ny toerany indraike.10Avy i Yaveh ka nitsangagna; nangaike hôtran'ny tamin'ny fotôgna hafa hoe: "Samoela, Samoela." Die hoy i Samoela hoe: "Mijakà, ry Yaveh, fa miteno ny mpanomponao." 11Hoy i Yaveh tamin'i Samoela: "Indro, hambôtre raha amin'Israely Iaho ka ny tadignin'ijay abiaby maharegny die hangorintsigna.12Amin'ijay andro ijay die hagnatanteraka ny raha abiaby efa nivorianiko tamin'i Ely momba ny ankohonane, hatamin'ny vôlohane ka hatamin'ny farany Iaho. 13Nijaka tamin'aje Iaho fa hitsara ny ankohonane indraike mandeha tsy mimpody ny amin'ny fahotana ijay fantany, satria ny janagne die nitondra tsitsike tamin'ny tegnan-dreo ka tsy nanakagna an-dreo ijy.14 Noho ijany die nifanta tamin'ny ankohonan'i Ely Iaho fa ny fahotan'io ankohonana io die tsy ho vôonitre amin'ny sorogna na fagnatitra mihitsy."15Nandry mandra-maraigna i Samoela; die namoha ny varavaragnan'ny tragnon'i Yaveh ijy. Fa natahotra ny hivoria tamin'i Ely momba ny fahitana i Samoela. 16Avy teo die nangaika an'i Samoela i Ely ka nagnano tamin'aje hoe: "Ry Samoela, janako." Die hoy i Samoela hoe: "Itoy iaho."17Hoy ijy: "Ino ny jaka nivorianine taminao? Aja avony an'ahe moa ijay. Hagnano an'ijay aminao anie Andriamanitra, ary mihôtre noho ijany aja, laha magnavony amin'ahe ny amin'ny jaka abiaby ijay nivorianine anao anao." 18Die nivorianin'i Samoela tamin'aje ny raha abiaby; tsy nagnavony na ino na ino tamin'aje ijy. Hoy i Ely: "Ijy no Yaveh. Abilay Ijy hambôtre ijay mety hoe tsara amin'Aje."19Niha-lehibe i Samoela, ka i Yaveh die niaraka tamin'aje, ka tsy nisy navelane hisy tamin'ny jaka faminaniane tsy ho tanteraka. 20Ny Israely abiaby hatagne Dana ka hatagne Beri-sheba die nahafantatra fa i Samoela die vôtondro ho mpaminanin'i Yaveh. 21Niseho tao Silo indraike i Yaveh, satria nagnatoro ny tegnane tamin'ny jakane tamin'i Samoela tao Silo Ijy.
Chapter 4

1Avy tamin'ny Israely abiaby ny jakan'i Samoela. Ka nivôke hiady tamin'ny Filistina ny Israely. Nametraka toby teo Ebenezera areo, ary nametraka toby teo Afeka koja ny Filistina. 2Nilahatra hiady tamin'ny Israely ny Filistina. Laha niparitake ny ady, die resin'ny Filistina ijay nahafaty teo ho eo amin'ny efatre arivo lahy teo amin'ny sahan'ady ny Israely.3Laha niditra tao an-toby ny vahôke, die hoy ny loholon'Israely hoe: "Nagnino Yaveh no naharesy antsena teo agnatrehan'ny Filistina niany? Andao hindôsintsena laha tagne Siloha hegnatoy ny fiaran'ny fagniken'i Yaveh, mba hiaraka amintsena atoy ijay, ka hiaro antsena amin'ny tagnan'ny fahavalontsena."4 Ka die nagnirake lelahy negnagne Siloha ny vahôke; laha tagne ny nitondran-dreo ny fiaran'ny fagniken'i Yaveh tompon'ny maro, ijay mitoboke ambonin'ny kerobima. Teo niaraka tamin'ny fiaran'ny fagniken'Andriamanitra ny janak'i Ely roe lahy, die i Hofinia sy Finehasa.5Laha niditra tao an-toby ny fiaran'ny fagniken'i Yaveh, die niara-namôke hiaka mahare ny vahôkan'Israely abiaby, ka nagnakohako ny tany. 6Laha regnin'ny Filistina ny kotaban'ny kiakiake, die hoy areo hoe: "Fa ino ny dikan'ijao tabataba mahare ao an-tobin'ny Hebreo ijao?" Avy teo die ajon-dreo an-saigna fa avy ao an-toby ny fiaran'i Yaveh.7Natahotra ny Filistina; hoy areo hoe: "Misy andriamanitra avy ao an-toby." Hoy areo hoe: 8"Loja hôntsena! Tsy mbola nisy raha nitranga hôtran'ijao taloha! Loja hôntsena! Ija ny hiaro antsena amin'ny herin'ireo andriamanitra mahery ireo? Io ny andriamanitra ijay nandraha ny Egyptiana tamin'ny loja rahabe isan-karajagne tagne agn'efitre. 9Alay hery, sady mbà lelahy, anareo Filistina, sandrè hanjary andevon'ny Hebreo anareo, hôtran'ny naha-andevonareo an-dreo. Mbà lelahy, ka media."10Die niady ny Filistina, ka resy ny Israely. Nilefa tagne an-dragnone aby ny lelahy abiaby, ka henjagna tokôtre ny famonoana; fa miaramila mijoro telo aligna laha tamin'ny Israely no lavo. 11Lefy ny fiaran'i Yaveh, sady maty i Hofinia sy Finehasa, janak'i Ely roe lahy.12Nisy lelahin'i Benjamina raike nihajakajake laha tagne amin'ny filaharan'ady ka negnagne Siloha tamin'io andro io mandy, avy niaraka tamin'ny lambane rota sy botany teo an-dohane. 13Laha avy ijy, die nitoboke teo amin'ny sejane teo amoron-dalagna nitsinjo i Ely satria nangitakitake ny amin'ny fiaran'Andriamanitra ny fone. Laha niditra ny tanàna ilay lelahy sady nivoria ny vaovao, die niahaka mahare ny tanàna raike manontolo.14Laha regnin'i Ely ny kotaban'ny hiakiaka, die hoy ijy hoe: "Ino ny dikan'ijao korontagna ijao?" Avy nalaky ilay lelahy ka nivoria tamin'i Ely. 15Ary valo amby sivifolo taogna i Ely; pahigna ny masone, sady tsy nahita ijy.16Hoy ilay lelahy tamin'i Ely: "Iaho ny raike ijay laha tagne amin'ny laharan'ady. Nilefa ny ady iaho niany." 17Hoy Ely hoe: "Nagnano akore ny fijotrane, anaka?" Namaly ilay lelahy nitondra ny vaovao ka nagnano hoe: "Nilefa an'ireo Filistina ny Israely. Sady koa, nisy faharesena agnona teo amin'ny vahôke. Sady koa, maty Hofinia sy Finehasa, janakao roe lahy, ka lefy ny fiaran'Andriamanitra."18Laha nanognona ny fiaran'Andriamanitra ijy, die nidoboke nitsambikigna laha teo an-sejane teo akekin'ny vavahady i Ely. Tapaka ny tendane, ka maty ijy, satria efa antitre sady rerake. Nitsara ny Israely nandritra ny efapolo taogna ijy.19Ka ny vinantovavine, sakejan'i Finehasa, die niteo-jaja sady efa ho teraka. Laha naharegny ny vaovao ijay fa lefy ny fiaran'Andriamanitra ka maty ny rafojan-dahine sy ny sakejane, die nandohalike ijy ka terake, kanefa nandavo an'aje ny fanaintaignan'ny fiterahane. 20Tokone ho tamin'ny fotôgna nahafatesane die nijaka tamin'aje ny viave niatrika an'aje hoe: "Aja matahotre, fa niteraka jajalelahy anao." Kanefa tsy namaly ijy na nandray am-po ijay nivorianin-dreo.21Nangihine hoe Ikaboda ny agnaran'ny jaja, fa hoy ijy hoe: "Afa-boninahitra Israely! fa lefy ny fiaran'Andriamanitra, ary nohon'ny rafojan-dahine sy ny sakejane koa. 22Hoy ijy hoe: "Afa-boninahitra Israely, satria lefy ny fiaran'Andriamanitra."
Chapter 5

1Ka lefon'ny Filistina ny fiaran'Andriamanitra, ka nindôsin-dreo laha tagne Ebenezera ho agne Asdoda ijay. 2Nalain'ireo Filistina ny fiaran'Andriamanitra, nindôsine tao an-dragnon'i Dagona ijany, ka natobokane teo agnilan'i Dagona. 3Laha nifoha maraigna ny vahôkan'i Asdoda ny ampitso, die io, lavo nenkohoke tamin'ny tany ny tavagn'i Dagona. Ka die nalain-dreo i Dagona ka nampekarine teo amin'ny toerany indraike.4Fa laha nifoha maraigna areo ny ampitso, die io, lavo nenkohoke tamin'ny tany teo agnatrehan'ny fiaran'i Yaveh ny tavagn'i Dagona. Ny lohan'i Dagona sy ny tagnane roe die tapake teo amin'ny varavaragna. Ny tavagn'i Dagona mandy sisa no nivela. 5Noho ijany, ny antone tsy andingagnan'ny Mpisorogn'i Dagona sy ijay olo miditra ao an-dragnon'i Dagona ny varavaragn'i Dagona ao Asdoda, manadrak'ankehitriny aja.6Ny tagnan'i Yaveh die najesafatre teo amin'ny vahôkan'i Asdoda. Naripakane sady nampijaline tamin'ny fivontoana areo, i Asdoda sy ny faritanine. 7Laha tsapan'ny olon'i Asdoda ijay nitranga, die hoy areo hoe: "Ôka tsy hijanogna aminay eto ny fiaran'ny Andriamanitr'Israely, satria ny tagnane die manohitra mahare anay sy i Dagona andriamanitray."8Ka die nampangaike areo ka namory ny mpanapaka ny Filistina abiaby; hoy areo tamin'aje: "Ino ny tokone hamboarinay amin'ny fiaran'ny Andriamanitr'Israely?" Namaly areo hoe: "Ôka hindôsina hagnodidigna an'i Gata ny fiaran'ny Andriamanitr'Israely." Ka nindôsin-dreo tagne ny fiaran'ny Andriamanitr'Israely. 9Fa laha avy nindôsin-dreo nagnodidigna an'ijay, die nanohitra ny tanàna ny tagnan'i Yaveh, ka nahatonga fifanjevôna makadiry. Nampijaly ny olon'ny tanàna Ijy, na kely na lehibe; ka nipositre tamin-dreo ny fivontoana.10Noho ijany die nakefan-dreo tagne Ekrona ny fiaran'Andriamanitra. Fa vantany vô avy tao Ekrona ny fiaran'Andriamanitra, die nihiaka mahare ny Ekronita, nagnano hoe: "Nitondra ny fiaran'ny Andriamanitr'Israely ho antsena mba hamonoana antsena sy ny olontsena areo."11Ka nampangaike areo ka namory ny mpanapaky ny Filistina abiaby; hoy ijy tamin-dreo hoe: "Apodio ny fiaran'ny Andriamanitr'Israely, sady ampodio amin'ny toerana mandy, mba tsy hamonoan'ijay antsena sy ny olontsena." Fa nisy fisavorovôna makadiry nagneragna ny tanàna; tena najefatra teo ny tagnan'Andriamanitra. 12Ny olo ijay tsy maty die nampijalina tamin'ny fivontoana, ka ny fitaraignan'ny tanàna die nagnanike nameno ny lagnitre.
Chapter 6

1Ary ny fiaran'i Yaveh die tao amin'ny tanànan'ny Filistina nandritra ny fito volagna. 2Avy eo ny vahôke Filistina nangaike an'ireo mpisorogna sy ny mpimasy; hoy ijy tamin-dreo hoe: "Ino ny tokone hamboarinay amin'ny fiaran'i Yaveh?" Jakay anay ny fomba hagnapodiananay an'ijay agne amin'ny firenen'ijany manokagna."3Hoy ny mpisorogna sy ny mpimasy hoe: "Laha ampodinareo ny fiaran'ny Andriamanitr'Israely, die aja ampody tsy miaraka amin'ny fagnomejana ijay; andefaso fagnatitra nohon'ny heloka amin'ny fomba abiaby Ijy. Die ho sitragna anareo, ka ho fantatrareo ny antone tsy nangalany ny tagnane taminareo mandrak'ankehitriny." 4Die hoy areo hoe: "Tokone ho ino ny fagnatitra nohon'ny heloka ijay ampodinay amin'aje?" Namaly areo hoe: "Fivontosana volamena dimy sy vôlavo volamena dimy, ny dimy die isa mitovy amin'ny isan'ny mpanapaky Filistina. Fa loja mitovy ny nampijaly anareo sy ny mpanapakareo.5Noho ijany die tsy mentsy mambôtre sarin'ny fivontisanareo anareo, ary sarin'ny vôlavonareo ijay mandripake ny tany, ary magnome voninahitra an'ilay Andriamanitr'Israely. Angamba mety hangala ny tagnane aminareo Ijy, amin'ny andriamanitrareo, ary amin'ny taninareo. 6Nagnino no tokone hagnamafy ny fonareo anareo, hôtran'ny nagnamafisan'ny Egyptiana sy Farao ny fon-dreo? Ijay die tamin'ny nandrahan'ilay Andriamanitr'Israely mahare an-dreo; moa ve tsy nalefan'ireo Egyptiana ve ny vahôke, ka nienga areo?7Ankehitriny ary, magnomàgna sarety vaovao miaraka amin'ny ahomby vavy mampinono roe ijay mbola tsy jioga mihitsy. Fihejo amin'ny sarety ny ahomby, kanefa indôsy mody ny janak'ahomby, hienga amin-dreo. 8Avy eo reso ny fiaran'i Yaveh ka atôvy ao agnatin'ny sarety ijay. Apetraho agnaty vata eo agnilan'ijay ny sarin-javatra volamena ijay ampodinareo amin'aje mba ho fagnatitra nohon'ny heloka. Die alefaso ijay ka abilay handeha amin'ny lalany. 9Avy eo jahay; laha magnanika agne amin'ny lalagna megnagne amin'ny tanine manokagna agne Beti-semesy ijay, die Yaveh ny nambôtre an'ijay loja makadiry ijay. Fa laha tsy ijay, die ho fatantsena fa tsy ny tagnane ny nampijaly antsena; fa koja, ho fatantsena fa nitranga tsy nahy tamintsena ijany."10Ny lelahy die nambôtre araka ijay nivorianina tamin-dreo; nangala ahomby vavy mampinono roe areo, namehe an'io teo amin'ny sarety, ka nitondra ny janak'ahombin'ireo tagne an-dragno. 11Natobokan-dreo teo amin'ny sarety ilay fiaran'i Yaveh, niaraka tamin'ny vata misy ny vôlavo volamena sy ny sarin'ny fivontosan-dreo. 12Nandeha nahitsy tagne amin'ny lalagna mijotra agne Beti-semesy ny ahomby vavy. Nandeha tamin'ny lalàm-be raike ireo, nimàma tegne am-pandihanana, sady tsy nivily na tagne ankavanana na tagne ankavia. Nagnaraka an-dreo tagne amin'ny morogn'i Beti-semesy ny mpanapak'ireo Filistina.13Ary nambele ny varin-dreo tan-dohasaha tegne ny vahôkan'i Beti-semesy. Laha nandrandra ny masone areo ka nahita ilay fiara, die nifalifaly.14Avy tagne amin'ny an-karenan'i Josoa laha tagne amin'ny tanànan'i Beti-semesy ny sarety ka nijanogna tao. Nisy vato makadiry teo, ka namaky ny hajo tamin'ny sarety areo, sady nagnome ny ahomby vavy mba ho fagnatitra orôna hôn'i Yaveh. 15Najotson'ireo Levita ny fiaran'i Yaveh sy ilay vata ijay niaraka tamin'ijay, ijay nisy ny sary volamena, ka natobokane teo amin'ny vato makadiry ireo. Nagnome fagnatitra orôna sady nagnano sorogna hôn'i Yaveh ny andron'io mandy ny mponign'i Beti-semesy.16Laha hitan'ny mpanapaka dimin'ny Filistina ijay, die nimpody tagne Ekrona ny andron'io mandy areo.17Ito aby ny fivontosana volamena ijay nampodin'ny Filistina ho fagnatitra nohon'ny heloka ho an'i Yaveh: raike hôn'i Asdoda, raike hôn'i Gaza, raike hôn'i Askelona, raike hôn'i Gata, ary raike hôn'i Ekrona. 18Ny vôlavo volamena die nitovy isa tamin'ny isan'ny tanànan'ireo Filistina abiaby ijay an'ny mpanapaka dimy, die ny tanàna mimanda sy n jana-bohitry ny tanàna. Ilay vato makadiry, teo agnilan'ny nametrahan-dreo ny fiaran'i Yaveh, die mijanogna ho vavolombelogna raike ao amin'ny sahan'i Josoa ilay Beti-semesy mandrak'androany.19Nandraha ny saragne tamin'ny mponign'i Beti-semesy i Yaveh satria nijaha tao agnatin'ny fiaran'i Yaveh areo. Namono lelahy 50.070 Ijy. Nisaogna ny vahôke, satria nandraha mahare ny vahôke Yaveh. 20Hoy ny mponign'i Beti-semesy hoe: "Ija no afaka hitsangagna manolôna an'i Yaveh, itoy Andriamanitra masina itoy? Hômin'ija no agnanihan'ny fiara avy ato amintsena?"21Nagniraka mpitondra hafatra tagne amin'ny mponign'i Kiriata-jearima areo, nagnano hoe: "Nindôsin'ireo Filistina nimpody ny fiaran'i Yaveh; mijotsoa ka indôsy mimpody miaraka aminareo ijay."
Chapter 7

1Avy ny olon'ny Kiriata-jearima, nangala ny fiaran'i Yaveh, ka nitondra ijany tao an-dragnon'i Abinadaba tagne amin'ny tagnambogna. Nanokagna an'i Eleazara janagne lahy areo mba hitandrigna ny fiaran'i Yaveh. 2Nanomboka tamin'ny andro ijay nipitrahan'ny fiara tao Kiriata-jearima, die taogna maro ny lasa, rôpolo taogna. Ny ankohonan'Israely abiaby die nalahelo an'i Yaveh ka nagniry ny himpody amin'i Yaveh.3Hoy i Samoela tamin'ny ankohonan'ny Israely manontolo hoe: "Laha mimpody amin'i Yaveh Yaveh amin'ny fonareo abiaby anareo, die alay taminareo teo ny andriamanin-kafa sy ny Astarta, atodiho amin'i Yaveh ny fonareo, ka Ijy rerike mandy tompoina, die hamonjy anareo eo an-tagnan'ny Filistina Ijy." 4Die nangala ireo Bala sy ny Astarta ny vahôkan'Israely, ka nanompo an'i Yaveh rerike mandy.5Ka hoy Samoela hoe: "Indôsy ho agne Mizpa ny Israely abiaby, die hivavaka amin'i Yaveh ho anareo iaho."6 Nivory tao Mizpa areo, sady nangala rano ka nandraraka an'ijay teo agnatrehan'i Yaveh. Nifady hanina areo tamin'ijay andro ijay ka nagnano hoe: "Efa nagnota tamin'i Yaveh antsena." Tagne ny nanapahan'i Samoela hevitre hitsara ny fifamalian'ny vahôkan'Israely sy nitondrany an'aje.7Ka laha regnin'ny Filistina fa nivory tao Mizpa ny vahôkan'Israely, die nanafika ny Israely ny mpanapaky ny Filistina. Laha naharegny an'ijay ny vahôkan'Israely, die natahotra ny ny Filistina areo. 8Ka hoy ny vahôkan'Israely tamin'i Samoela: "Aja mijanogna mangaika an'i Yaveh Andriamanitrantsena ho antsena, fa hagnavotra antsena eo an-tagnan'ny Filistina Ijy."9Die nangala janak'ondry mbola minono i Samoela ka nagnome an'ijay manontolo mba ho fagnatitra orôna ho an'i Yaveh. Sady nangaike mahare an'i Yaveh ho an'ny Israely Samoela, ka namaly an'aje Yaveh.10Ka laha mbola nagnatitra ny fagnatitra orôna Samoela, die nagnantogna hanafika ny Israely ny Filistina. Fa Yaveh nampikotrok'erike tamin'ny feno mahare tamin'ijay andro ijay hanohitra ny Filistina ka nampifanjevo an-dreo, ka resy teo alohakan'ny Israely areo. 11Ka ny lelahin'Israely nienga laha tagny Mizpa, die nagnenjika ny Filistina ka namono an-dreo mandra-peviane teo ambanin'i Betikara.12Avy eo die nangala vato i Samoela ka nametraka an'ijay teo agnelagnelagn'i Mizpa sy Sena. Natane hoe Ebenezera ny agnaran'ijay, magnano hoe: "Hatramin'ijao ny namonjen'i Yaveh antsena."13Die resy ny Filistina ka tsy niditra teo amin'ny fari-tanin'ny Israely. Ny tagnan'i Yaveh no nanohitra ny Filistina tamin'ny andron'i Samoela abiaby. 14Ny tanàna ijay nalain'ny Filistina tamin'ny Israely die vôverigna tamin'ny Israely, hatagne Ekrona ka hatagne Gata; nimpody tamin'ny Israely koa ny faritanine tagne amin'ny Filistina. Die nisy fihavagnana teo amin'ny Israely sy ny Amorita.15Nitsara ny Israely nandritra ny androm-piaignane abiaby i Samoela. 16Isan-taogna die nienga nivejivejy tagne Betela, Gilgala, ary Mizpa ijy. Nanapa-kevitra tamin'ny ady hoa an'Israely teo amin'ny teo amin'ny toerana abiaby io ijy. 17Ary nimpody tagne Rama indraike ijy. Satria tagne ny tragnone; sady tagne mandy koa ny nanapahane hevitra tamin'ny ady ho an'ny Israely. Namorogna alitara ho an'i Yaveh tagne mandy koa ijy.
Chapter 8

1Laha antitra i Samoela, die natane ho mpitsara eo amin'ny Israely ny janagne lahy. 2Joela ny agnaran'ny lahimatoane, ary Abia ny agnaran'ny janagne lahy faharoe. Mpitsara tao Beri-sheba areo. 3Tsy nandeha tamin'ny lalàne ny janagne lahy, fa nirembe fihariana tsy marina. Nandray kolikoly areo sady namadika ny rariny.4ie niara-nivory ny loholon'ny Israely abiaby ka avy teo amin'i Samoela tao Rama. 5Hoy areo tamin'aje: "Indro, antitra anao, sady tsy mandeha amin'ny lalanao ny janakao. Manondroa mpanjaka ho anay mba hitsara anay hôtran'ny firenena abiaby."6Nefa tsy nankasitrahan'i Samoela ijay laha nijaka areo hoe: "Omeo mpanjaka ahay mba hitsara anay." Ka nivavaka tamin'i Yaveh i Samoela. 7Hoy Yaveh tamin'i Samoela hoe: "Ankatoavy ny feon'ny vahôke amin'ny raha abiaby vorianin-dreo aminao; fa tsy anao ny nilavin-dreo, fa Iaho ny nilavine tsy ho mpanjakan-dreo.8Ankehitriny areo die mambôtre hôtran'ijay namboarine hatamin'ny andro nitondrako an-dreo laha tao Egypta, nahafoy an'Ahe, ka nanompo ny andriamanin-kafa, ka hôtran'ijay koa ny amboarin-dreo aminao. 9Ankehitriny tenoy areo; nefa ampitandremo mahare ka ampahafantaro ny fomba hanapahan'ny mpanjaka amin-dreo eo."10Ka die nivorianin'i Samoela tamin'ny vahôke ijay nangataka mpanjaka ny jakan'i Yaveh abiaby. 11Hoy ijy: "Ijao no ho fanaon'ny mpanjaka ijay hanjaka eo aminareo. Hangala ny janakareo lahy ijy ka hanondro an-dreo ho an'ny kalesane sady hanjary mpitengin-tsôvaline, ka hihajakajaka eo alohakan'ny kalesane. 12Hanondro kapitenin'ny miaramila dimam-polo hôn'aje ijy. Hatane miasa ny tanine ny saragne, mambele ny vokatrane ny saragne, ary hambôtre fitôvam-pediana sy ny fitôvana hôn'ny kalesane ny saragne.13Ny janakareo viave mandy koa die hatane mpangaroharo java-magnitre, mpahandro, ary mpagnano mofo. 14Halaine ny tsara indrindra laha tamin'ny sahanareo, ny tanim-bôlobokareo, ary ny tanin'olivanareo, ka homene ny mpanompone. 15Halaine ny ampahafolon'ny varinareo sy ny laha tamin'ny tanim-bôlobokareo ka homene an'ireo manam-pahefane sy ny mpanompone.16Halaine ny mpanomponareo lahy sy ny mpanomponareo viave ary ny tsara indrindra amin'ny tovolahinareo sy ny borikinareo; hatane hiasa hôn'aje ijy abiaby. 17Halaine ny ampahafolon'ny ondry amban'osinareo, ka hanjary andevone anareo. 18Ka amin'ijay andro ijay die hitaraigna nohon'ny mpanjakanareo ijay nifidinareo hôn'ny tegnanareo anareo; kanefa tsy hamaly anareo i Yaveh amin'ijay andro ijay."19Kanefa nandà ny hiteno an'i Samoela ny vahôke; hoy areo: "Tsiare! Tokone hisy mpanjaka aminay eto 20mba hitovianay amin'ny firenena hafa abiaby, sady mba hitsaran'ny mpanjakanay anay sady hivoahane eo alohakanay ka hiady ny adinay."21Laha regnin'i Samoela ny jakan'i vahôke abiaby die nampodine teo an-tadignin'i Yaveh ijany. 22Hoy i Yaveh tamin'i Samoela: "Ankatoavy ny feon-dreo ka atôvy tonga mpanjakan-dreo ny olo raike." Ka hoy Samoela tamin'ny olon'Israely: "Tsy mentsy mienga agne amin'ny tanànane aby ny lelahy kiraidraike."
Chapter 9

1Nisy lelahy laha tagne Benjamina, lelahy ambony raike. Ny agnarane die i Kisy janaka lahin'i Abiela janaka lahin'i Zerora janaka lahin'i Bekorata janaka lahin'i Afia, ilay janaka lahin'i Benjamita raike. 2Nanagn'anaka lelahy nangihina hoe Saoly ijy, tovolahy tsara tarehy raike. Tsy mbola nisy olo tsara tarehy noho ijy teo amin'ny olon'Israely. Manomboka eo amin'ny sorokane loho miakatre die lava noho ny olo abiaby ijy.3Ka ny ampondran'i Kisy, iaban'i Saoly, die very. Ka nijaka tamin'i Saoly janagne i Kisy nagnano hoe: "Mangalà raike amin'ny mpanompo hiaraka aminao, mitsangàna ka mandihàna mirembe ny apondra." 4Ka die namakivaky ny tagnambognan'i Efraima i Saoly ka nandeha tamin'ny tanin'i Salisa, fa tsy hitan-dreo ijany. Ary namakivaky ny tanin'i Salima areo, nefa tsy tagne ireo. Avy eo die namakivaky ny tanin'ny Benjamita areo, fa tsy nahita ireo.5Laha avy teo amin'ny tanin'i Zofa areo, die nijaka tamin'ny mpanompone ijay niaraka tamin'aje i Saoly hoe: "Andao, antsena himpody, fa mety tsy hagnahy ny amin'ny ampondra koa iabako fa hanomboka hagnahy ny momba antsena." 6Fa hoy ny mpanompo tamin'aje hoe: "Tenoy, misy lelahin'Andriamanitra amin'itoy tanàna itoy. Ijy die lelahy nomem-boninahitra; ijay abiaby voarianine die tanteraka aby. Andao antsena ho agne; mety ho afaka hivoria amintsena ijay lalagna tokone handihanantsena amin'ny diantsena ijy."7Die hoy i Saoly tamin'ny mpanompone hoe: "Fa laha mandeha antsena, ino ny afaka indôsintsena ho an'ilay lelahy? Ny mofo agnaty kitapontsena efa lany, sady tsy misy fagnomejana hindôsintsena ho an'ilay lelahin'Andriamanitra. Ino ny anagnantsena? 8Ny mpanompo namaly an'i Saoly ka nagnano hoe: "Iaho managna ampahefatry ny sekely volafotsy ijay homeko an'ilay lelahin'Andriamanitra, mba hijakana amintsena ijay lalagna tokone handihanantsena."9(Taloha tagne Israely, laha misy lelahy mandeha mirembe ny fahalalana ny sitrapon'Andriamanitra, die mijaka ijy hoe: "Andao, hienga antsena ho agne amin'ny mpahita." Fa mpahita ny fangihana taloha ijay angihina hoe mpaminany ankehitriny.) 10Avy eo die nijaka tamin'ny mpanompone i Saoly hoe: "Tsara ny vorianao. Andao, hienga antsena handeha." Die lasa areo negnagne amin'ny tanàna ijay nisy ny lelahin'Andriamanitra. 11Ka laha nagnanike ny tagnambogna tao an-tanàna areo, die nahita ny tohovavy nivôke hitatitra rano; die hoy i Saoly sy ny mpanompone tamin-dreo hoe: "Eto ve ny mpahita?"12Namaly areo, ka nagnano hoe: "Eto ijy; indro, ao aloha kelinareo ao mandy ijy. Malakisà, fa ho avy ao an-tanàna ijy niany, satria hagnano sorogna eo amin'ny toerana ambony ny vahôke niany.13 Laha vantany vô miditra ny tanàna anareo die hahita an'aje, alohakan'ny hagnanihane amin'ny toerana ambony hihinanane. Tsy hihinagna ny vahôke mandram-peviane, satria ijy no hitso-drano ny sorogna; afaran'ijay die hihinagna areo ijay nilajàna. Ka mekara am'ijao, fa hahita an'aje avy hatragne anareo."14Die nagnanike ho agne amin'ny tanàna areo. Ka laha vô niditra ny tanàna areo, die nahita an'i Samoela niseho tamin'aje, mba handeha hagnanike agne amin'ny toerana ambony.15Ka ny andro talohakan'ny nevian'i Saoly, die nagnatoro tamin'i Samoela i Yaveh hoe: 16"Ampitso amin'ijao ora ijao die handefa lelahy raike laha tamin'ny tanin'ny Benjamina aminao Iaho, ary hagnosotra an'aje ho ampanjaka eo amin'ny Israely vahôkako anao. Hamonjy ny vahôkako amin'ny tagnan'ny Filistina ijy. Fa efa nijaha ny vahôkako tamin'ny fangorahana iaho satria ny haike vonjin-dreo die avy tamin'Ahe tatoy."17Laha hitan'i Samoela i Saoly, die nijaka tamin'aje i Yaveh hoe: "Itoy ilay lelahy natoroko anao! Ijy ilay olo hanapaka ny vahôkako." 18Avy teo i Saoly die nagnantogna an'i Samoela teo amin'ny vavahady ka nagnano hoe: "Mba voriano an'ahe hoe aja ny misy ny tragnon'ny mpahita?" 19Namaly an'i Saoly i Samoela ka nagnano hoe: "Iaho ilay mpahita. Magnaniha hômin'ny toerana ambony melohaka an'ahe, fa niany die hiara-mihinagna amin'ahe anao. Abelako hienga anao amin'ny maraigna, sady hivorianiko aminao ijay abiaby ao an-tsaignao.20Laha ny amin'ny ampondranao ijay very telo andro lasa ijay, die aja magnahy ny amin'ijay, fa efa hita ijany. Ary napetraka tamin'ija ny fagnirian'ny Israely abiaby? Tsy ho aminao sy hômin'ny ankohonan'abanao abiaby ve?" 21Namaly i Saoly ka nijaka hoe: "Fa tsy Benjamita ve iaho, ny amin'ny foko kely indrindran'Israely? Tsy ny fianakaviambeko ve ny farany indrindra amin'ny fianakaviambe abiaby ao amin'ny fokon'ny Benjamina? Ka nagnino no ijay fomba ijay no nivoariananao tamin'ahe?"22Ka niresin'i Samoela i Saoly sy ny mpanompone, ka nindôsine tagne agn'efitragno, sady natobokane teo amin'ny fitoerana vôlohane ho an'ijay vôasa areo, ijay tokone ho olo telopolo eo ho eo.23Hoy i Samoela tamin'ny mpahandro hoe: "Indôsy ny anjara ijay nomeko anao, ijay nivorianiko taminao hoe, 'Atokagny itoy."' 24Ka nalain'ny mpahandro ny fe sy ijay teo amin'aje ka natobokane teo alohakan'i Saoly. Ka hoy i Samoela hoe: "Io, ijay vôtokagna die efa natoboke teo alohakao. Hano io, satria vôtokagna ho anao mandra-pevian'ny fotôgna vôtondro, tamin'ny fotôgna nivorianako hoe: 'Efa nagnasa ny olo iaho." Die niara-nihinagna tamin'ny Samoela i Saoly tamin'io andro io.25Laha tafajotso laha tegne amin'ny toerana ambony hômin'ny tanàna areo, die nivoria tamin'i Saoly teo an-tafo-tragno i Samoela. 26Ka laha vô mangiran-dratsy, die nangaika an'i Saoly teo an-tafo-tragno i Samoela ka nijaka hoe: "Mifohaja, mba hahafahako mandefa anao agne amin'ny lalagnao." Die nifoha i Saoly, ka samby nandeha nivôke ho egne an-dalagna ijy sy i Samoela.27Ka nienga magnodidigna ny tanàna areo, die hoy i Samoela tamin'i Saoly: "Voriano ny mpanompo mba heloha antsena" - die nandeha teo aloha ijy_ "fa tsy mentsy mijanogna eto fotôgna vitsy anao, mba hivorianako aminao ny hafatr'Andriamanitra,"
Chapter 10

1Die nangala ny tavoara misy diloilo i Samoela, nandraraka ijay teo ambony lohan'i Saoly, ka nagnoroka an'aje. Hoy ijy hoe: "Moa ve Yaveh tsy efa nagnosotra anao ho mpanapaka ny lovane? 2Laha handao an'ahe anao niany, die hahita lelahy anankiroe eo akekin'ny koborin-dRahely, ao amin'ny faritanin'i Benjamina ao Zelza. Hijaka aminao areo hoe: 'Io ny boriky ijay rombejinao die efa hita. Ankehitriny ny rajambenao die nijanogna tsy niahiahy ny amin'ny boriky ka die magnahy ny momba anao, mijaka hoe: "Ino ny tokone hatako mikasika ny janako lahy?"3Die handeha lavidavitra kokoa laha tagne anao, ka ho avy eo amin'ny hajo terebintan'i Tabara. Hifanepaka amin'ny lelahy telo mandeha ho agne amiin'Andriamanitra agne Betela anao, ny raike mitondra janak'osy telo, ny hafa mitondra mofo telo, ary ny hafa mitondra sinin-dovay hoditra. 4Hiarahaba anao areo ka hagnome mofo roe anao, ijay halainao laha tegne an-tagnan-dreo.5Afaran'ijay, die himpody ho eo amin'ny tagnambognan'Andriamanitra anao, ijay misy ny miaramilan'ny Filistina. Laha avy ao amin'ny tanàna anao, die hifanepaka amin'ny andian'ny mpaminany hijotso laha tagne amin'ny toerana ambony miaraka amin'ny lokanga, amponga tapake, sodigna, ary valiha eo alohakan-dreo; haminany areo. 6Ny Fagnahin'i Yaveh hilatsaka eo aminao, ka haminany miaraka amin-dreo anao, ka hiova ho lelahy hafa.7Ka laha avy aminao ireo famantarana ireo, die amboaro ijay abiaby hitan'ny tagnanao fa tokone hamboarina, satria Andriamanitra momba anao. 8Mijotsoà eo melohaka an'ahe ho agne Gilgala. Die hijotso agne aminao iaho hanolotra ny fagnatitra orôna sady hagnano sorogna fagnati-pihavagnana. Mendrasa fito andro mandra-pandihanako ho eo aminao sady hagnatorôko anao ijay tokone hamboarinao.9Laha nitodi-voho handao an'i Samoela i Saoly, die nomen'Andriamanitra an'aje ny fo vaovao. Die avy ireo famantarana abiaby ireo tamin'ijay andro ijay. 10Laha avy tegne amin'ny tagnambogna areo, die nisy andiana mpaminany nifanepaka tamin'aje, ary ny Fagnahin'Andriamanitra nijotso teo amin'aje ka naminany niaraka tamin-dreo ijy.11Laha nahita an'aje niaraka tamin'ny mpaminany ny olo abiaby ijay nahalala an'aje teo aloha, die nifagnontany ny olo hoe: "Ino ny nahavoa ny janaka lahin'i Kisy? Agnisan'ny raike amin'ny mpaminany koa ve i Saoly? 12Nisy lelahy raike nitoboke teo amin'io toerana io namaly hoe: "Die ija no iaban-dreo?" Noho ijay, die nanjary fijaka ny hoe: "Agnisan'ny mpaminany koa ve i Saoly?"13 Laha nahefa ny faminaniana ijy die negnagne amin'ny fitoerana ambony.14Die hoy dadatoan'i Saoly tamin'aje sy ny mpanompone hoe: "Taja ny nandihananareo?" Namaly ijy hoe: "Nirembe ny boriky. Laha hitanay fa tsy nety hitanay ireo, die negnagne amin'i Samoela ahay." 15Hoy ny dadatoan'i Saoly hoe: "Mba jakay amin'ahe moa ijay nivorianin'i Samoela taminareo."16 Namaly ny rahalahin'iabane i Saoly hoe: "Nijaka taminay majava tsara ijy fa efa hita ny boriky." Fa tsy nivoria tamin'aje momba ny resaka fanjakana, ijay efa nivorianin'i Samoela ijy.17Die nangehin'i Samoela hiaraka teo alohakan'i Yaveh tao Mizpa ny vahôke. 18Hoy ijy tamin'ny olon'Israely hoe: "Ijao ny raha nivorianin'i Yaveh, Andriamanitry ny Israely: 'Namôka ny Israely hienga tao Egypta Iaho sady nagnavotra anareo teo amin'ny tagnan'ny Egyptiana, ary tamin'ny tagnan'ny fanjakana abiaby ijay nampijaly anareo.' 19Fa ankehitriny nandà an'Andriamanitrareo, ijay nagnavotra anareo tamin'ny loja sy fijalianareo abiaby anareo; sady nijaka tamin'Aje anareo hoe: 'Mametraha mpanjaka aminay eto.' Ankehitriny atolory eo alohakan'i Yaveh araka ny fokonareo sy ny vondrognareo ny tegnanareo."20Die nagnakeky an'i Samoela ny fokon'Israely abiaby, ka ny fokon'i Benjamina ny vôfidy. 21Avy eo die nindôsine nagnakeky ny vondron-dreo ny fokon'i Benjamina; ary ny fokon'ny Matrita ny vôfidy, ary Saoly janaka lahin'i Kisy die vôfidy, Fa laha nienga nirembe an'aje areo, die tsy nety hita ijy.22Ary ny olo die te-hametra-pagnintaniena bebe kokoa tamin'Andriamanitra hoe: "Mbola misy lelahy hafa ho avy ve?" Yaveh namaly hoe: "Nagnavony ny tegnane eo amin'ny entagna ijy." 23Die nihajakajake areo ka nangala an'i Saoly laha tao. Laha nitsangagna teo amin'ny olo ijy, die lava mihôtre ny olo abiaby laha teo an-tsorogne no ho miakatre ijy.24Die hoy Samoela tamin'ny olo hoe: "Hitanareo ve ny lelahy ijay efa vôfidin'i Yaveh? Tsy misy hôtran'aje eo amin'ny vahôke abiaby!" Ny olo abiaby niantsoantso hoe: "Ho ela velogna ny mpanjaka!"25Die nivoria tamin'ny vahôke ny fomba sy ny fitsipiky ny fanjakana i Samoela, nanoratra an'io tao agnaty boky, sady nametraka an'ijay teo agnatrehan'i Yaveh. Avy eo die nalefan'i Samoela ny vahôke abiaby, ho agny amin'ny tragnone aby.26Nody tagne an-dragnone tao Gibea mandy koa i Saoly, sady niaraka tamin'ny lelahy matanjaka saragne, ijay nikasihin'Andriamanitra ny fony. 27Fa ny saragne tamin'ny olo tsy misy dikane nagnano hoe: "Akore ny ahafahan'io lelahy io magnavotra anay?" Nagnaraby an'i Saoly ireo olo ireo sady tsy mba nitondra fagnomejana hôn'aje. Fa nangigna koja i Saoly.
Chapter 11

1Avy eo Nahasy Amonita nandeha ka nitoby tagne Jabesi-Gileada. Hoy ny olon'i Jabesy abiaby tamin'i Nahasy hoe: "Mamboara fagnikena miaraka aminay, die hanompo anareo ahay." 2Die namaly i Nahasy Amonita hoe: "Amin'ijao fepetra ijao ny hamboarako fifagnikena aminareo, die ny hipotserako ny maso ankavananareo abiaby, ka ijay ny fomba hitondrana fahafaham-baraka eo amin'Israely abiaby."3Ary loholon'i Jabesy namaly an'ajy hoe: "Abilay rerike mandritra ny fito andro ahay, mba hahafahanay mandefa irake megnagne amin'ny fari-tanin'Israely abiaby. Ka, laha tsy misy na raike aja hamonjy anay, die hitolo-batagna aminareo ahay."4Die avy tagny Gibea, ijay nipetrahan'i Saoly ny irake, sady nivoria ny raha nanjo tamin'ny vahôkan'Israely. Die nitagny mahare ny vahôke abiaby. 5Ary nagnaraka ny ahomby laha tao an-karenana i Saoly. Hoy i Saoly: "Ino ny mahajo ny vahôke ka mampitagny an-dreo?" Die nivorianin-dreo tamin'i Saoly ijay nivorianin'i lelahin'i Jabesy.6Laha regnin'i Saoly ijay nivorianin-dreo, die nilatsaka tamin'aje teo ny Fagnahin'Andriamanitra, ka vignitra mahare ijy. 7Nangala jiogan'ahomby raike ijy, ka nitapatapahine, ka nalefane nagneragna ny Israely abiaby niaraka tamin'ny irake ireo. Hoy ijy: "Ijay abiaby tsy hivôke hiaraka amin'i Saoly sy Samoela, die hôtran'io ny hamboarana ny ahombine." Ary nilatsaka tamin'ny vahôke ny horohoron'i Yaveh, ka niara-nivôke hôtran'ny olo raike areo. 8Laha namory an-dreo tagne Bezeka ijy, die nisy telo hetsy ny vahôkan'Israely, ary ny olon'ny Joda die telo aligna.9Hoy areo tamin'ny irake ijay avy: "Hivoria amin'ny olon'ny Jabesy-Gileada anareo hoe: 'Ampitso, amin'ny fotôgna mampahamay ny masoandro, die ho vôvonjy anareo."' Ka nandeha ny irake ka nivoria tamin'ny olon'i Jabesy, ka faly areo. 10Die hoy ny olon'i Jabesy tamin'i Nahasy: "Hitolo-batagna aminao ahay ampitso, die afaka amboarinao aminay ijay hitanao fa mety aminao."11Ny ampitso die napetrak'i Saoly tao agnaty vindrogna telo ny vahôke. Die negneo amin'ny toby tamin'ny fembenana maraigna areo, ary nanafika areo ka naharesy ny Amonita mandra-pahamay ny andro. Areo ijay mbola velogna die naely, mba tsy hisian'ny roe hiara-tavela.12Die hoy ny vahôke tamin'i Smoela: "Ija ilay nijaka hoe: 'Hanjaka amintsena eto ve i Saoly?' Indôsy ireo olo, mba hahafahantsena mamono an'aje." 13Fa hoy i Saoly: "Ôka mba tsy hisy ho faty na raike aja amin'itoy andro itoy, satria nagnavotra an'Israely Yaveh niany."14Avy eo die hoy i Samoela tamin'ny vahôke: "Andao, hienga antsena handeha agne Gilgala ka hagnavao ny fanjakana agne indraike." 15Ka nandeha tagne Gilgala ny vahôke abiaby ka nagnano an'i Saoly ho mpanjaka teo agnatrehan'i Yaveh tagne Gilgala. Tagne ny namboaran-dreo sorogna fagnati-pihavagnana teo agnatrehan'i Yaveh, ary Saoly sy ny lelahin'Israely die feno hafaliana tanteraka.
Chapter 12

1Hoy i Samoela tamin'ny Israely abiaby: "Efa niteno ny raha abiaby nivorianinareo tamin'ahe iaho, sady efa nanondro mpanjaka teo aminareo. 2Ankehitriny,indro mandeha eo alokareo ny mpanjaka; ary efa antitre sady fotsy volo iaho; ny janako die eo aminareo. Efa nandeha teo agnatrehanareo hatamin'ny fahatanorako ka mandrak'androany iaho.3Itoy iaho; mijoroa vavolombelogna hanohitra an'ahe eo agnatrehan'i Yaveh sy eo agnatrehan'ilay vôhosotrane. Ahombin'ija ny efa nalaiko? Ampondran'ija ny efa nalaiko? Ija no efa nambakaiko? Ija ny efa nampijaliko? Laha tamin'ny tanànan'ija no efa nandresako kolikoly mba hahatakogna ny masoko? Mijoroa vavolombelogna hanohitra an'ahe, fa hampodiko aminareo ijay."4Hoy areo hoe: "Tsy namitaka anay anao, tsy nampijaly anay, na nangala na ino na ino laha teo an-tagnan'olo." 5Die hoy ijy tamin-dreo hoe: "Yaveh no vavolombelogna aminareo, ary ilay vôhosotrane ny vavolombelogna niany, fa tsy nahita na ino na ino teo an-tagnako anareo." Areo namaly hoe: "Yaveh ny vavolombelogna."6Hoy i Samoela tamin'ny vahôke hoe: "Yaveh ny nanondro an'i Mosesy sy Arona, sady nitondra ny rajambenareo nagnanika laha tao Egypta. 7Ka ankehitriny, atolory ny tegnanareo, mba hahafahako mifandahatra aminareo eo agnatrehan'i Yaveh mikasika ny asa marign'i Yaveh, ijay natane ho anareo sy ny rajambenareo.8Laha avy tao Egypta i Jakoba, ka nitaraigna tamin'i Yaveh ny rajambenareo, die nandefa an'i Mosesy sy Arona i Yaveh, ijay nitarika ny rajambenareo hivôka an'i Egypta ka nonigna tamin'itoy toerana itoy areo. 9Fa areo nagnadigno an'i Yaveh Andriamanitrane; ka nivarotra an-dreo teo an-tagnan'i Sisera, mpitarika ny tafik'i Hazora ijy, teo an-tagnan'ny Filistina, ary teo an-tagnan'ny mpanjakan'i Moaba; ireo abiaby ireo ny niady tamin'ny rajambenareo.10Nitaraigna tamin'i Yaveh areo ka nagnano hoe: 'Efa nagnota ahay, satria nahafoy an'i Yaveh sady efa nanompo an'ny Bala sy ny Astarta. Fa ankehitriny magnafaha anay an-tagnan'ny fahavalonay eo, die hanompo anao ahay.'11 Noho ijay die nagniraka an'i Jerobala, Bedana, Jefta, ary Samoela i Yaveh, sady nagnome fandresena anareo teo amin'ny fahavalonareo abiaby magnodidigna anareo, ka nahafahanareo niaigna am-pilaminana.12Laha hitanareo fa avy hanohitra anareo i Nahasa mpanjakan'i vahôkan'i Amona, die hoy anareo tamin'ahe hoe: 'Tsiare! Fa ôka, ho mpanjaka koja ny hanjaka aminay eto- kanefa Yaveh Andriamanitrareo, no mpanjakanareo. 13Indro ankehitriny ny mpanjaka ijay nisafidinareo, ijay nangatahinareo, ary ijay notondroin'i Yaveh ho mpanjaka eo aminareo niany.14Laha matahotre an'i Yaveh anareo, die manompoa an'Aje, ankatoavy ny feony, ary aja mikomy hanohitra ny didin'i Yaveh, ka samby ho mpagnaraka an'i Yaveh Andriamanitrareo anareo sy ny mpanjaka ijay manjaka eo aminareo. 15Fa laha tsy mankatò ny feon'i Yaveh anareo, fa mikomy manohitra ny didin'i Yaveh, die handraha anareo ny tagnan'i Yaveh, hôtran'ny nandrahane ny rajambenareo.16Ka mitsangàna ankehitriny ka jahay ijao raha makadiry ijay hamboarin'i Yaveh eto amasonareo ijao.17 Moa ve tsy fotoam-pambelejana vary tritrika ijao? Hangaike an'i Yaveh iaho, mba handefasane kotroka sy ny erike. Die hi fantatrareo sady ho hitanareo fa makadiry ny haratsiam-pagnahinareo, ijay natanareo teo amason'i Yaveh, tamin'ny alalan'ny fangatahanareo mpanjaka." 18Ka die nangaika an'i Yaveh i Samoela; ka tamin'ijay andro ijay mandy die nandefa oram-baratre i Yaveh. Ka die natahotra mahare an'i Yaveh sy i Samoela ny vahôke abiaby.19Die hoy ny vahôke abiaby tamin'i Samoela hoe: "Mivavaha ho an'ny mpanomponao amin'i Yaveh Andriamanitrao, mba tsy ho faty ahay. Satria efa nagnampy ny fahotanay abiaby tamin'ijao java-dratsy ijao tamin'ny alalan'ny fangatahana mpanjaka ahay."20 Die namaly Samoela hoe: "Aja matahotre. Efa nambôtre ijao ratsy abiaby ijao anareo, kanefa aja mienga tamin'i Yaveh, fa manompoa an'i Yaveh amin'ny fonareo manontolo. 21Aja mivily magnaraka ireo java-pogna ijay tsy mahasoa na mahavonjy anareo, satria die tsy misy ilàna an-dreo.22Fa nohon'ny agnarane makadiry, die tsy handà ny olone i Yaveh, satria mahafaly an'i Yaveh ny hagnano anareo ho vahôkane. 23Laha ny amin'ahe, die sagnatriaviko ny hagnota amin'i Yaveh amin'ny fitsaharana ny hivavaka ho anareo. Fa koja hampianatra anareo ny lalàna ijay tsara sady marina iaho.24Yaveh mandy hatahorana ary manompoa an'Aje amin'ny fahamarignana amin'ny fonareo manontolo. Eritrereto ny raha makadiry ijay efa natane taminareo. 25Fa laha mikiry ny hagnano ratsy anareo, die samby ho ripake anareo sy ny mpanjakanareo."
Chapter 13

1Telopolo taogna i Saoly no nanomboka nanjaka; laha nanjaka efapolo taogna teo amin'Israely ijy, 2die nifantigna lelahy telo arivo teo amin'Israely. Roe arivo ny niaraka tamin'aje tagne Mikmasy sy tagne amin'ny tagnambognan'ny tanànan'i Betala, laha ny arivo koja niaraka tamin'i Jonatana tagne Gibean'i Benjamina. Ny miaramila sisa tavela die nampengaina nody, ny lelahy kiraidraike samby ho agne an-dainy aby.3Nandresy ny toby miaramilan'ny Filistina i jonatana ijay tagne Geba ary naharegny an'ijay ny Filistina. Die nitsoka trompetra nagneragna ny tany abiaby i Saoly, nijaka hoe: "Ôka haharegny ny Hebreo." 4Regnin'ny Israely abiaby fa i Saoly die nandresy ny miaramilan'ny Filistina, ary ny Israely mandy koa die tonga fofogna lo ho an'ny Filistina. Ary ny miaramila die nampangihina hivondrogna hagnaraka an'i Saoly agny Gilgala.5Niara-nivondrogna ny Filistina mba hiady hanohitra ny Israely: kalesa telo arivo, lelahy enina arivo hitondra ny kalesa, ary antoko maro agn'isa hôtran'ny fasika egne amoron-dranomasina. Nagnanika areo ka nitoby tagne Mikmasy, atsignanan'i Betavena.6Laha hitan'ny lelahin'Israely fa nisavoritaka areo _ fa ory ny vahôke, die nivony tao amin'ireo zohy, tao amin'ny kirihitr'ala, tao amin'ny haram-bato, tao amin'ny famorian-drano, ary tao agnaty lavaka ny vahôke. 7Ny saragne tamin'ny Hebreo nitsaka an'i Jordana ho agne amin'ny tanin'i Gada sy Gileada. Fa i Saoly koja mbola tagne Gilgala, ary ny vahôke abiaby nagnaraka an'aje tamim-pangovitana.8Niandry nandritra ny fito andro ijy, ny fotôgna ijay nomen'i Samoela. Fa Samoela tsy avy tagny Gilgala, ary ny vahôke die niparitake nienga teo amin'i Saoly. 9Hoy Saoly: "Indôsy amin'ahe atoy ny fagnatitra orôna sy ny fagnati-pihavagnana." Die nomene ny fagnatitra orôna. 10Vantany vô vôtolotrane ny fagnatitra orôna die avy i Samoela. Nivôke nitsena sady niarahaba an'aje i Saoly.11Ka hoy Samoela: "Ino ny namboarinao? Namaly i Saoly hoe: "Laha hitako fa nienga tamin'ahe ny vahôke, sady tsy avy tamin'ahe teto tamin'ny fotôgna nomena anao, ary ny Filistina efa nivory tagne Mikmasy, 12die hoy iaho hoe: 'Ankehitriny ny Filistina die hijotso hanohitra an'ahe ao Gilgala, ary iaho tsy nirembe ny fankasitrahan'i Yaveh.' Ka nanery ny tegnako hanolotra ny fagnatitra orôna iaho."13Ka hoy Samoela tamin'i Saoly: "Nagnano hadalàna anao. Tsy nitandrigna ny didin'i Yaveh Andriamanitrao ijay nomene anao anao. Fa tamin'ijay ny nametrahan'i Yaveh ny fanapahana eo amin'Israely mandrakijay. 14Fa ankehitriny die tsy hitohy ny fanapahanao. Nandrembe lelahy raike araka ny fony mandy Yaveh, ary Yaveh nanondro an'aje ho ampanjaka ao amin'ny vahôkane, satria tsy nankatò ijay nandidiane anao anao."15Avy eo die nienga i Samoela nagnanika laha tagne Gilgala ho agne Gibean'ny Benjamina. Ary Saoly nagnisa ny vahôke ijay avy niaraka tamin'aje teo, teo ho eo amin'ny enin-jato lahy teo. 16Saoly, Jonatana janagne lahy, ary ny vahôke ijay avy niaraka tamin-dreo, die nipetraka tao Gibean'ny Benjamina. Fa ny Filistina koja nitoby tagne Mikmasy.17Nivôke laha tao amin'ny tobin'ny Filistina tamin'ny vondogna telo ny mpanafika. Ny vondrogna raike negnagne Ofra, agne amin'ny tanin'i Soala. 18Ny vondrogna raike hafa negnagne Beti-horona, ary ny vondrogna raike hafa negnagne amin'ny sisin-tany ijay hahatsinjo ny Lohasahan'i Zeboima magnatrika ny tany efitra.19Tsy nahitana mpanefy nagneragna ny Israely abiaby, satria hoy ny Filistina: "Laha tsy ijay ny Hebreo die hagnambôtre sabatra na lefogna hôn-dreo." 20Fa ny lelahin'Israely abiaby die efa jatra nijotso negnagne amin'ny Filistina,ny kiraidraike mba handrangitra ny lelan'angadine, ny fangadian-tanine, ny famakine, ary ny antsim-bilognane. 21Ny saragne die roe ampahatelon'ny sekely ny lelan'angady, sy ny fangadian-tany, ary raike ampahatelon'ny sekely ny fandrangitana ny famaky sy ny fagnitsiana ny fanindrognana.22Ka tamin'ny andron'ny ady, die tsy nahitana sabatra na lefogna teo an-tagnan'ny miaramila ijay niaraka tamin'i Saoly sy Jonatana; i Saoly sy Jonatana janagne mandy no nanagna an'ijay. 23Ny miaramilan'ny Filistina die nivôke negnagne amin'ny lalagn'i Mikmasy.
Chapter 14

1Indray andro, i Jonatana janak'i Saoly nijaka tamin'ilay jatovo mpitondra ny fediana hoe: "Andao, hienga antsena hitsaka egne amin'ny toby miaramilan'ny Filistina egne agnilane." Nefa tsy nivorianine iabane.2Nipetraka teo amin'ny magnodidigna an'i Gibea ambanin'ny hajon'apongaben-dagnitre ijay tao Migrona i Saol. Teo ho eo amin'ny lelahy eninjato teo ny niaraka tamin'aje,3 agnisan'ijay Ahia, janak'i Ahitoba (rahalahin'i Ikaboda) janak'i Finehasa janak'i Ely, ilay mpisorogn'i Yaveh tao Silo, ijay nekanjo efoda. Tsy fantatry ny vahôke hoe nenga i Jonatana.4Teo amin'ny lafy kiraidraike amin'ny fitsakàna ijay nirin'i Jonatana handihanana mba hiengana agne amin'ny miaramilan'ny Filistina, die nisy haram-bato teo amin'ny andagnine ary haram-bato teo amin'ny angnilane. Ny hafam-bato raike die nangihina hoe Bozeza ary ny harambato raike hafa nangihina hoe Sene. 5Ny harambato raike nijoro teo avaratra nifananjo an'i Mikmasy, ka ny raike hafa teo atsimo teo alohakan'i Geba.6Hoy Jonatana tamin'ny jatovo mpitondra ny fediane: "Andao, hienga antsena hitsaka egne amin'ny miaramilan'ny akama tsy vôfora ireo. Angamba Yaveh mba hiasa hôntsena, fa tsy misy na ino na ino manakagna an'i Yaveh amin'ny famonjena amin'ny rahabe na amin'ny olo vitsy." 7Namaly ny mpitondra ny fediane hoe: "Atôvy ny raha abiaby ijay ao am-ponao. Mandrosoa, indro, miaraka aminao iaho, mba hankatò ny bekonao abiaby."8Die hoy Jonatana hoe: "Hitsaka ho egne amin'ireo lelahy antsena, ka hiseho amin-dreo eo. 9Laha mijaka amintsena areo hoe: "Mendrasa egne mandra-pevianay egne aminareo'_ die hijanogna eo amin'ny toerantsena antsena ka tsy hitsaka egne amin-dreo. 10Kanefa laha mamaly areo hoe: 'Mènga aminay atoy', die hitsaka antsena; satria efa natolotr'i Yaveh ho eo an-tagnantsena areo. Ijay ny ho famantarana ho antsena."11Ka samby niseho teo amin'ny toby miaramilan'ny Filistina areo. Hoy ny Filistina: "Io, mivôke laha tao amin'ny lavaka ijay nagnavonian-dreo ny tegnane ny Hebreo." 12Die nangaika an'i Jonatana sy ny mpitondra ny fediane ny lelahin'ny miaramila, ka nagnano hoe: "Magnaniha atoy aminay, die hatoronay raha anareo." Hoy Jonatana tamin'ny mpitondra ny fediane: "Magnaraha an'ahe laha tafara ao, satria efa natolotr'i Yaveh eo an-tagnan'ny Israely areo."13Nagnanika tamin'ny tagnane sy ny hongone i Jonatana, ka nagnaraka tafarany tao ny mpitondra ny fediane. Nivonina teo alohakan'i Jonatana ny Filistina, ary ny mpitondra ny fediane namono ny saragne tafarany tao. 14Ijay ny fanafihana vôlohane namboarin'i Jonatana sy ny mpitondra ny fediane ijany, die nahafaty tokone ho lelahy rôpolo tao amin'ny faritry ny atsasa-hektara.15Nisy savoritaka makadiry tao an-toby, tany an-karenana, sy teo amin'ny vahôke. Na die ny miaramila sy ny mpanafika aja die natahotra. Nangitakitake ny tany, ary nisy tahotra nakadiry.16Ary ny mpitsikilon'i Saoly tagne Gibean'ny Benjamina nijaha; niparitaka ny vahôkan'ny miaramila Filistina, ka negnetse sy negneroa areo. 17Die hoy Saoly tamin'ny vahôke ijay niaraka tamin'aje: "Isay ka jahay ijay tsy eto ny laha tamintsena." Laha nagnisa areo, die i Jonatana sy ny mpitondra ny fediane no tsy teo.18Hoy Saoly tamin'i Ahia: "Indôsy atoy ny fiaran'Andriamanitra," fa tagne amin'ny vahôkan'Israely ijay tamin'ijay fotôgna ijay. 19Laha mbola nivoria tamin'ny mpisorogna i Saoly, die nitohy sy nitombo ny tabataba tao an-tobin'ny Filistina. Die hoy Saoly tamin'ny mpisorogna: "Ahemory ny tagnanao."20Nivondrogna ary nandeha tagne an'ady i Saoly sy ny vahôke abiaby ijay niaraka tamin'aje. Ny sabatry ny Filistina kiraidraike die nandraha ny mpiray tanàna tamin'aje, ary fifanjevoana makadiry tokôtre. 21Ary ny Hebreo ijay niaraka tamin'ny Filistina taloha ireo, sy ijay nandeha niaraka tamin-dreo tagne an-toby aja die mba nikambagna tamin'ny Israelita ijay niaraka tamin'i Saoly sy Jonatana.22ha regnin'ny olon'Israely abiaby ijay nivony tagne amin'ny tagnambogna akekin'ny Efraima fa nilefa ny Filistina, die ninjehin-dreo hatragne an'ady ireo. 23Ka tamin'ijay andro ijay die nagnavotra ny Israely i Yaveh, ary nihôtre hatagne Betavena ny ady.24Ory ny olon'Israely tamin'ijay andro ijay satria i Saoly nametraka ny vahôke tao ambany fifantany ka nagnano hoe: "Vôtsitsike ny olo ijay mihinagna hanina mandra-pahaligna ary iaho die hamaly faty eo amin'ny fahavaloko." Die tsy nisy olo laha tao amin'ny antoko nanendry hanina. 25Ary niditra tao agn'ala ny vahôke abiaby ary nisy tintely teo amin'ny tany. 26Laha niditra tao agn'ala ny vahôke, die nikoriagna ny tintely, nefa tsy nisy olo nagnano ny tagnane tao am-bavane satria natahotra ny fifantana ny vahôke.27Nefa tsy regnin'i Jonatana fa namehe ny olo tamin'ny fifantana iabane. Die nanandratre ny tendron'ny fiokane ijay tegne an-tagnane ijy ka nagnatsoboka an'ijay tao amin'ny tohon-tintele. Hampianatra ny tagnane teo am-bavane ijy, ka najava ny masone. 28Ka ny raike tamin'ny vahôke, namaly hoe: "Nivesarin'iabanao tamin'ny fifantana henjagna tokôtre ny vahôke, tamin'ny nivorianane hoe: 'Vôtsitsike ny olo mihinagna hanina amin'itoy andro itoy,' na die malemin'ny mosary aja ny vahôke."29Die hoy Jonatana: "Nagnakorontagna ny tany iabako. Jahay fa nanjary najava ny masoko satria nagnandragna kitike tamin'itoy tintely itoy iaho.30 Maika laha nihinagna am-pahalalana tamin'ijay vôroba tamin'ny fahavalon-dreo ijay hitany niany ny olo? Satria tsy makadiry teo amin'ny Filistina ny famonoana ankehitriny."31Tamin'io andro io die nanafika ny Filistina nanomboka tao Mikmasy hatagne Aialona areo. Vijake tanteraka ny vahôke. 32Nihajakajaka fatratra tamin'ny vôroba ny vahôke ka nangala ondry, ahomby sy janak'ahomby, ka namono ireo teo amin'ny tany. Nihinagna an'ijay niaraka tamin'ny rà ny vahôke.33Die hoy areo tamin'i Saoly: "Indro, nagnota tamin'i Yaveh tamin'ny fihinanana niaraka tamin'ny rà ny vahôke." Hoy i Saoly: "Nagnano ijay tsy mahatoky anareo. Ankehitriny, magnaboriboriha vato makadiry eto hôn'ahe." 34Hoy i Saoly: "Mivoaha laha teo amin'ny vahôke, ka voriano areo hoe: 'Ôka ny olo kiraidraike hitondra ny ahombine sy ny ondrine, vonio eto io, ka hano. Aja magnota amin'i Yaveh amin'ny fihinanana miaraka amin'ny rà."' Ka ny kiraidraike tamin'ny vahôke die nitondra ny ahombine niaraka tamin'aje io aligna io ka namono an'ijay teo.35Namorogna alitara ho an'i Yaveh i Saoly, ijay alitara vôlohane namboarine ho an'i Yaveh.36Die hoy Saoly: "Andao antsena hagnenjika ny Filistina rahaligna ka handrava an-dreo mandra-maraigna; andao tsy havelantsena hisy ho velogna na die raike amin-dreo aja." Namaly areo hoe: "Amboaro ny raha abiaby ijay mety ho tsara aminao." Nefa hoy ny mpisorogna: "Andao antsena hagnantogna an'Andriamanitra eto." 37Nagnontany an'Andriamanitra i Saoly hoe: "Tokone hagnenjika ny Filistina ve iaho?" Hanolotra an-dreo eo an-tagnan'ny Israely ve Anao? Nefa tsy namaly an'ajy Andriamanitra tamin'io fotôgna io.38Die hoy i Saoly: "Avia eto, anareo mpitarika ny vahôke abiaby; fantaro ary jahay ny fomba nisehoan'ijao fahotana ijao niany. 39Fa, laha mbola velogna koa Yaveh, ijay nagnavotra ny Israely, na die ao amin'i Jonatana janako aja ijay, die ho faty tokôtre ijy." Nefa tsy nisy tamin'ny olo teo amin'ny vahôke abiaby namaly an'ajy.40Die hoy ijy tamin'ny Israely abiaby: "Mitsangàna eo amin'ny ankilane, ary iaho sy Jonatana janako die ho eo amin'ny andagnine." Hoy ny vahôke tamin'i Saoly: "Amboary ijay mety ho tsara aminao." 41Ka die hoy Saoly tamin'i Yaveh, Andriamanitr'Israely: "Atoroy ny Tomima." Jonatana sy Saoly no ajo tamin'ny filokana, fa tafiala tsy vôfidy koja ny vahôke. 42Die hoy Saoly: "Mamboara filokana amin'ahe sy Jonatana janako." Die i Jonatana ny vôfidy tamin'ny filokana.43Die hoy Saoly tamin'i Jonatana: "Jakay an'ahe ijay namboarinao." Hoy Jonatana tamin'aje: "Nagnandragna kitike tamin'ny tintely teo amin'ny vodin'ny hajo ijay tetoy an-tagnako iaho. Itoy iaho; ho faty iaho." 44Hoy Saoly: "Hagnano an'ijay Andriamanitra ary hagnano mihôtre amin'ahe mandy koa, laha tsy maty anao, ry Jonatana."45Die hoy ny vahôke tamin'i Saoly: "Tokone ho faty ve i Jonatana, ijay nahatanteraka ijao fandresena makadiry ho an'ny Israely ijao? Sagnatria anie ijany! Laha mbola velogna koa i Yaveh, die tsy hisy singany raike amin'ny voron-dohane hilatsaka amin'ny tany, fa niasa niaraka tamin'Andriamanitra ijy niany." Ka nagnavotra an'i Jonatana ny vahôke hany ka tsy maty ijy. 46Die nijanogna tsy nagnenjika ny Filistina i Saoly, ka nandeha tagne amin'ny toeran-dreo ny Filistina.47Laha nanomboka nanapaka ny Israely i Saoly, die niady tamin'ny fahavalone abiaby tegny amin'ny lafine abiaby ijy. Niady tamin'ny Moaba, ny Amonita, Edoma, ny mpanjakan'i Zoba, ary ny Filistina ijy. Na taja na taja nitodihane, die nampindôsine sajy areo. 48Niasa tamin-kerim-po makadiry ijy ka nandresy ny Amalekita. Namonjy ny Israely ho afaka tamin'ny tagnan'ireo ijay nandrava an-dreo ijy.49Ny janaka lahin'i Saoly die i Jonatana, Jisvy, ary Malkisoa. Ny agnaran'ny janagne roe vavy die Meraba, vavimatoa, ary Mikala, faravavy. 50Ahinoama ny agnaran'ny sakejan'i Saoly; janaka vavin'i Ahimaza ijy. Ny agnaran'ny kapitenin'ny tafikane die Abnera janak'i Nera, rahalahin'iaban'i Saoly. 51Kisy no iaban'i Saoly; ary Nera, iaban'i Abnera, ny janaka lahin'i Abiela.52Nisy ady mahare teo amin'ny Filistina tamin'ny andron'i Saoly abiaby. Laha nahita olo matanjaka, na olo mahery fo i Saoly, die nalaine hôn'aje ijy.
Chapter 15

1Hoy Samoela tamin'i Saoly: "Yaveh nagniraka an'Ahe hagnosotra anao ho mpanjaka eo amin'ny Israely olone. Ankehitriny die tenoy ny jakan'i Yaveh. 2Ijao ny vorianin'i Yaveh tompon'ny maro: 'Efa tsinjoko ny namboarin'i Amalekita tamin'ny vahôkan'Israely tamin'ny nanoherane an-dreo tegne an-dalagna, laha nagnanike laha tagne Egypta areo. 3Ankehitriny mandihàna ka tafiho i Amalekita ka poteho tanteraka ijay abiaby anagnan-dreo. Aja miaro an-dreo, fa samby vonio na lelahy na viave, ny ankizy sy ny jaja, ny ahomby sy ny ondry, ary ny rameva sy ny boriky."4Nampangaike ny vahôke i Samoela sady nagnisa an-dreo tao amin'ny tanànan'i Tetaima: lelahy nandeha hongotre roe hetsy, ary lelahin'i Joda iray aligna. 5Avy eo i Saoly die avy tagny amin'ny tanànan'i Amaleka ka nandigny tagne an-dohasaha.6Die hoy i Saoly tamin'ny Kenita: "Mandihàna, miengà, mivoaha laha teo amin'ny Amalekita, mba tsy handripahako anareo miaraka amin-dreo. Fa nagnatoro hatsaram-pagnahy tamin'ny Israely Israely abiaby anareo, laha avy laha tagne Egypta areo." Noho ijay die nienga tamin'ny Amalekita teo ny Kenita. 7Avy eo die nandraha ny Amalekita i Saoly, hatagne Havilaha ka hatagne Sora, ijay agne atsignanan'i Egypta.8Ka natane sambo-belogna i Agaga mpanjakan'i Amalekita; naripakane tanteraka tamin'ny lelan-tsabatra ny vahôke abiaby. 9Fa niaro an'i Agaga, amban'ny ondry, ahomby, ahombivavy mifahy, ary janak'ondry tsara indrindra i Saoly sy ny olo. Ny raha abiaby ijay tsara, die tsy nipotehin-dreo. Fa nipotehin-dreo koja ny raha abiaby ijay nilotoana sady tsy misy dikane.10Die avy tamin'i Samoela ny jakan'i Yaveh, nagnano hoe: 11"Nanignenako ny namboarako an'i Saoly ho mpanjaka, fa nenga tamin'ny fagnarahana an'Ahe ijy sady tsy nampihatra ny didiko." Vignitra i Samoela; nihiaka mahare tamin'i Yaveh ijy nandritra ny aligna manontolo.12Nifoha aloha i Samoela mba hihaogna amin'i Saoly ny maraigna. Natoro tamin'i Samoela hoe: "Avy tagny Karmea i Saoly ka nanangagna tsangam-bato ho an'ny tegnane, sady nitodi-doha ka nanohy nijotso negnagne Gilgala." 13Die avy tagny amin'i Saoly i Samoela, die hoy Saoly tamin'aje hoe: "Endrey vôtahin'i Yaveh anao! Tanterako ny didin'i Yaveh."14Hoy i Samoela hoe: "Ino ijany fitregnan'ny ondry ao an-tadigniko ijany, sy ny fitregnan'ny ahomby ijay regniko ijay?" 15Namaly i Saoly hoe: "Efa nindôsin-dreo laha tamin'ny Amalekita ijay. Fa niaro ny ondry sy ahomby tsara indrindra io ny olo, mba hamboarana sorogna hôn'i Yaveh Andriamanitrao. Efa naripakay tanteraka ny sisa tavela." 16Die hoy i Samoela tamin'i Saoly hoe: "Andraso, die hivorianiko anao ijay natoron'i Yaveh tamin'ahe lahale." Die hoy i Saoly tamin'aje hoe: "Mivoriana!"17Hoy Samoela hoe: "Na die kely eo amasonao mandy aja anao, moa tsy natao ho lohan'ny fokon'Israely ve anao? Ary Yaveh nagnosotra anao ho mpanjaka eo amin'Israely, 18ary Yaveh nagniraka anao tamin'ny lalagnao nagnano hoe: 'Mandihàna ka aripaho tanteraka ny mpagnota, ny Amalekita, ka media amin-dreo ambara-paharipakan-dreo.' 19Nagnino anao no tsy mankatò ny feon'i Yaveh, fa nangala ny babo koja anao ka nagnano ijay ratsy teo amason'i Yaveh?"20Die hoy i Saoly tamin'i Samoela: "Nankatò ny feon'i Yaveh tokôtre iaho, sady efa nandeha tamin'ny lalagna ijay nagnirahane an'ahe. Efa nisamboriko i Agaga, mpanjakan'ny Amaleka, ary efa naripako tanteraka ny Amalekita. 21Kanefa nangala ny saragne tamin'ny babo- ondry sy ahomby, ny raha indrindra natokagna hôn'ny fandravana, mba hamboarana sorogna hôn'i Yaveh Andriamanitrao agne Gilgala ny olo."22Namaly i Samoela hoe: "Mankasitraka ny fagnatitra orôna sy ny sorogna tokôtre ve Andriamanitra, hôtran'ny amin'ny fankatoavana ny feon'i Yaveh? Tsara loho ny sorogna ny fankatoavana, ary ny miteno no tsara mihôtre ny tavin'ny ondry lahy. 23Fa ny fikomiana die hôtran'ny fahotan'ny sikidy, ka ny fahamafisan-doha die hôtran'ny faharatsiana sy heloka. Satria efa nilavinao ny tenin'i Yaveh, die nandà tsy ho mpanjaka mandy koa Ijy."24Die hoy i Saoly tamin'i Samoela hoe: "Efa nagnota iaho; satria nandika ny didin'i Yaveh sy ny jakanao, satria natahotra ny olo iaho ka nankatò ny feon-dreo. 25Ankehitriny, mba mamelà re ny heloko, sady mimpodiàna miaraka amin'ahe mba hanompoako an'i Yaveh."26Hoy i Samoela tamin'i Saoly hoe: "Tsy himpody hiaraka aminay iaho; satria nandà ny jakan'i Yaveh anao, sady efa nandà anao tsy ho mpanjaka eo amin'ny Israely i Yaveh.' 27Laha igne nitodi-doha hienga i Samoela, die nitajognin'i Saoly ny moron-kongotr'akanjone, ka rota ijany.28Hoy i Samoela tamin'aje: "Efa nalain'i Yaveh hiala taminao ny fanjakan'Israely niany ka efa nomene hôn'ny akamanao, ijay tsara noho anao. 29Sady koa, ny Tanjak'Israely die tsy hivandy na hagnova ny heviny akore; fa tsy olo Ijy, ka hiova hevitra."30Die hoy i Saoly hoe: "Efa nagnota iaho. Kanefa mba omeo voninahitra eo agnatrehan'ny loholon'ny vahôkako sy eo agnatrehan'ny Israely re iaho ankehitriny. Meraha mimpody amin'ahe indraike, mba hanompoako an'i Yaveh Andriamanitrao." 31Ka nimpody nagnaraka an'i Saoly indraike i Samoela, ka nanompo an'i Yaveh i Saoly.32Die hoy i Samoela hoe: "Indôsy atoy amin'ahe eto i Agaga mpanjakan'ny Amalekita." Die negnagne amin'aje i Agaga mifehe amin'ny gadra-vy ka nagnano hoe: "Efa lefy tokôtre ny fangidian'ny fahafatesana." 33Namaly i Samoela hoe: "Araka ny namboaran'ny sabatrao ny viave ho momba, die ho momba hôtran'ijay koa iendrinao eo amin'ny viave." Die nitapatapahin'i Samoela teo agnatrehan'i Yaveh tagne Gilgala i Agaga.34Negnagne Rama i Samoela, ary Saoly nagnanika tagne an-dragnone tagne Gibean'i Saoly. 35Tsy nahita an'i Saoly i Samoela hatamin'ny andro nahafatesane, fa nalahelo mahare i Saoly. Sady nanegnina i Yaveh ny amin'ny namboarane an'i Saoly ho mpanjaka teo amin'ny Israely.
Chapter 16

1Hoy Yaveh tamin'i Samoela hoe: "Mandra-pahoviena anao no hisaogna an'i Saoly, satria nolaviko tsy ho mpanjaka magneragna ny Israely ijy? Fenoy diloilo ny tandrokao ka mandihàna. Hirahiko agne amin'i Jese laha tagne Betlehema anao, fa efa nisafidy mpanjaka hôn'ahe amin'ny janagne lahy iaho."2Hoy Samoela hoe: "Akore ny fomba handihanako? Laha maharegny an'ijao Saoly, die hivonine iaho." Hoy Yaveh hoe: "Mitondra ahombivavy kely miaraka aminao ka jakay hoe: 'Avy hambôtra sorogna hôn'i Yaveh iaho.' 3Angiho ho amin'ilay sorogna i Jese, die ho atoroko anao ijay hamboarinao. Hagnosotra ny raike ijay hivorianiko anao hôn'Ahe anao."4Nagnano araka ijay nivorianin'i Yaveh i Samoela ka nandeha tagne Betlehema. Nangorohoro ny loholona teo amin'ny tanàna laha avy hihaogna amin'aje areo ka nijaka hoe: "Avy mba hihavana ve anao?" 5Hoyijy hoe: "Hihavana; avy hambôtra sorogna hôn'i Yaveh iaho. Miomàgna anareo hanokagna ny tegnanareo ka meràha amin'ahe ho agne amin'ny famboarana sorogna." Die nanokagna an'i Jese sy ny janagne lahy ijy sady nagnasa an-dreo ho agne amin'ny famboarana sorogna.6Laha avy areo, die nijaha an'i Eliaba ijy ka nijaka tamin'ny tegnane hoe nitsangagna nagnatrika an'aje tokôtre ilay vôhosotr'i Yaveh. Kanefa hoy i Yaveh tamin'i Samoela hoe: "Aja mijaha ny endrikane avelane, na ny haambon'ny tsanganane; satria efa nandà an'aje Iaho. 7Fa Yaveh die tsy mijaha hôtran'ny fijahan'olombelogna; ny olombelogna mijaha ny endrika avelagne, fa i Yaveh koja mijaha ny ao am-po."8Avy eo die nangaika an'i Abinadaba i Jese ka nampomba an'aje teo alohakan'i Samoela. Die hoy i Samoela hoe: "Tsy nifidy an'io raike io mandy koa i Yaveh." 9Avy teo die nampomba an'i Sama i Jese, kanefa hoy i Samoela hoe: "Tsy nifidy an'io mandy koa i Yaveh." 10Nampombain'i Jese teo alohakan'i Samoela ny fito tamin'ny janagne lahy. Die hoy i Samoela tamin'i Jese hoe: "Tsy nifidy an'ija na ija tamin-dreo Yaveh."11Die hoy i Samoela tamin'i Jese hoe: "Eto aby ve ny janakao lelahy abiaby?" Namaly ijy hoe: "Mbola misy ny janako faralahy tavela, fa miambigna ondry ijy." Hoy i Samoela tamin'i Jese hoe: "Mandihàna ka alay ijy; satria tsy hitoboke antsena mandra-peviane eto." 12Nienga i Jese ka nitondra an'aje niditre. Ka io tovolahy io die mena volo sady baribary maso sady tsara endrika ivelagne. Hoy Yaveh hoe: "Mitsangàna, hosory ijy; fa io no ijy."13Ka die niresin'i Samoela ny tandroka misy ny diloilo ka nosorane teo agnivon'ny rahalahine ijy. Nirotsaka tamin'ny Davida ny Fagnahin'i Yaveh tamin'ijay andro ijay. Avy eo die nitsangagna i Samoela ka nandeha tagne Rama.14Ary nienga tamin'i Saoly ny Fagnahin'i Yaveh, ka nisy fagnahy ratsy laha tamin'i Yaveh nampihorohoro an'aje. 15Hoy ny mpanompon'i Saoly tamin'aje hoe: "Indro, misy fagnahy ratsy laha tamin'Andriamanitra mampikorontagna anao. 16Ôka ary ny tomponay handidy ny mpanomponao ijay efa alohakao mba handrembe lelahy raike ijay feno traikefa amin'ny fitendrena lokanga. Ka laha eo aminao ny fagnahy ratsy laha tamin'Andriamanitra, die hitendry an'ijay ijy ka ho tsara anao."17Hoy i Saoly tamin'ny mpanompone hoe: "Irombejo lelahy ijay afaka mitendry tsara iaho ka indôsy amin'ahe atoy ijy." 18Die namaly ny raike tamin'ny tovolahy, ka nagnano hoe: "Efa nahita ny janaka lahin'i Jese ilay Betlehemita iaho, ijay tena mahay mitendry, matanjaka, lelahy be herim-po, lelahin'ady, mahay mandaha-teny, lelahy tsara tarehy; ary momba an'aje Yaveh." 19Ka die nandefa mpitondra hafatra tagne amin'i Jese i Saoly, ka nijaka hoe: "Alefaso amin'ahe i Davida janakao lelahy, ijay miaraka amin'ny ondry."20Nangala boriky raike nitatitra mofo, dovay raike siny, sy janak'osy i Jese, sady nandefa an-dreo niaraka tamin'i Davida janagne lahy ho agne amin'i Saoly. 21Avy eo die avy tao amin'i Saoly i Davida ka nanomboka ny fanompoane. Tian'i Saoly lôtre ijy, ka nanjary mpitondra ny fediane.22Nagniraka an'i Jese i Saw nagnano hoe: "Ôka i Davida hitsangagna eto alohakako, satria nahita fitia teo amasoko ijy." 23Isaky ny teo amin'i Saoly ny fagnahy ratsy laha tamin'Andriamanitra, die nangala ny lokanga i Davida ka nitendry an'ijay. Ka velombelogna sy tony i Saoly, ka nienga tamin'aje ny fagnahy ratsy.
Chapter 17

1Ary ny Filistina namory ny tafikan-dreo hiady. Nivory tao Soko, ijay an'i Joda areo. Nitoby teo agnelagnelagn'i Soko sy Azeka, tao Efesa-damima areo.2I Saoly sy ny lelahin'Israely die nivory ka nitoby tao amin'ny Lohasahan'i Elaha, ka nandamigna ny filaharan-dreo amin'ny ady mba hifanehitra amin'ny Filistina. 3Nitsangagna teo ambony tampom-bohitra tegne agnilane ny Filistina, ary ny Israely nitsangagna teo ambony tampom-bohitra tegne agnilane ka lohasaha ny nagnelagnelagna an-dreo.4Lelahy matanjaka raike ny nivôke laha tao amin'ny tobin'ny Filistina, lelahy raike angihina hoe Goliata laha tagne Gata, ijay enina kikiho ary jehy raike ny halavane. 5Nagnano satroka ferovan-doha varahigna ijy, sady nekanjo ferovan-tratra. Varahigna dimy arivo sekely ny lanjan'ilay akanjo.6Nagnano ferovan-dranjo varahigna sy lefogna varahigna teo agnelagnelagn'ny sorokane ijy. 7Makadiry ny jaran-defognane, miaraka amin'ny tady volomboloina fagnatiliana an'aje hôtran'ny tady eo amin'ny vodi-drain'ny mpandrary. Ny lohan'ny lefognane die vy milanja sekely eninjato. Nandeha teo alohakane ny mpitondra ampingane.8Nitsangagna ijy nihiaka mahare tamin'ny filaharan'ny Israely: "Nagnino anareo no avy hilahatra hiady? Moa tsy Filistina ve iaho, ary anareo mpanompon'i Saoly? Misafidiana lelahy raike aminareo ka ôka ijy hijotso amin'ahe etoy. 9Laha mahay miady amin'ahe ka mahafaty an'Ahe ijy, die ho mpanomponareo ahay. Fa laha mandresy an'ajy ka mahafaty an'aje iaho, die hoy mpanomponay anareo ka hiasa ho anay."10Die hoy indraike ny Filistina hoe: "Agnano fagnamby amin'ny filaharan'Israely iaho niany. Omeo lelahy raike iaho mba ho afaka hiara-hiady ahay." 11Laha naharegny ijay nivorianin'ilay Filistina i Saoly sy ny Israely abiaby die kivy areo, ka natahotra mahare.12Ary i Davida die janaka lahin'ilay Efraimita laha tagne Betlehema ao Joda, i Jese ny agnarane. Nanagn'anaka lelahy valo ijy. Jese die efa lelahy antitra tamin'ny andron'i Saoly, tena antitra tokôtre teo amin'ny lelahy. 13Ny jokiny telo amin'ny janaka lahin'i Jese die nagnaraka an'i Saoly tagne amin'ny ady. Ny agnaran'ireo janaka lahiny telo ijay negnagne amin'ny ady ireo die Elia ny lahimatoa, faharoe magnaraka an'aje i Abinadaba, ary i Sama ny fahatelo.14Davida ny jandrine indrindra. Ny telo jokiny indrindra ny nagnaraka an'i Saoly? 15Ary i Davida die nandroso sy niverigna teo amin'ny tafik'i Saoly sy ny ondrin'iabane tao Betlehema, mba hamahagna an-dreo. 16Marain-tsy hariva nandritra ny efapolo andro ilay lelahy Filistina matanjaka no avy nagnakeke mba hanolotra ny tegnane hômin'ny ady.17Die hoy i Jese tamin'i Davida janagne hoe: "Mangalà raike efaha amin'itoy vary vôendy itoy ary ito mofo folo ito hôn'ny rahalahinao, ka indôsy malaky agne amin'ny tobin'ny rahalahinao ito. 18Indôsy agne amin'ny kapitenin'ny arivo mandy koa ito frômazy folo ito. Jahay hoe magnano akore ny rahalahinao ka mitondrà porofo mimpody atoy fa tsy magnahy areo.19Miaraka amin'i Saoly sy ny lelahin'Israely abiaby agne amin'ny lohasahan'i Elaha, miady amin'ny Filistina ny rahalahinao." 20Nifoha aloha i Davida ny maraigna ka nagnavela ny andian'ondry amban'osy nikarakarain'ny mpiambigna ondry raike. Nangala ny fitôvana ijy ka nienga, araka ny nandidian'i Jese an'aje. 21Avy teo amin'ny toby ijy laha igne nandeha nivôke teo amin'ny sahan'ady mba hihiaka ady igne ny tafika. Avy teo die nilahatra hiady ny Israely sy ny Filistina, tafika manohitra tafika.22Nagnavela ny fanagnane tamin'ny mpitàgna ny fitôvana ijy, nihajakajake negnagne amin'ny tafika, ka nihaogna tamin'ny rahalahine. 23Laha igne nivoria tamin-dreo igne ijy, ilay lelahy Filistina matanjaka, ilay Filistina laha tagne Gata, angihina hoe: Goliata, die nivôke laha tao amin'ny laharan'ny Filistina, ka nijaka ny jaka ijay efa nijakaine teo aloha, die regnin'i Davida areo. 24Laha nahita ilay lelahy ny olon'Israely abiaby, die nilefa an'aje sady natahotra tokôtre areo.25Ny lelahin'Israely nijaka hoe: "Hitanareo ve igne lelahy magnanika igne? Avy mba hihantsy ny Israely ijy. Hagnome harena be an'ijay mamono an'aje ny mpanjaka, sady hagnome an'aje ny janagne viave ho sakejane ijy, sady hagnafaka ny ankohonan'iabane amin'ny fandoavan-ketra ao Israely."26Hoy i Davida tamin'ny lelahy ijay nitsangagna teo akekine: "Ino ny hamboarina ho an'ilay lelahy ijay mamono an'Itoy Filistina itoy sady hangala ny fahafaham-baraka amin'Israely? Ija itoy Filistina tsy vôfora itoy no mihantsy an'ireo tafiky ny Andriamanitra velogna?" 27Die nampodin'ny olo ijay efa nivorianin-dreo sady nijaka tamin'aje ijy hoe: "Die hôtran'ijay mandy no hamboarina ho an'ilay lelahy ijay mamono an'aje."28Naharegny an'aje nivoria tamin'ireo lelahy i Eliaba jokine lahimatoa. Die nirehitre tamin'i Davida ny havigniran'i Eliaba, ka hoy ijy: "Nagnino anao no mijotso etoy?" Ija ny nagnavilanao ny ondry vitsy agne an-tany efitra? Fantako ny avognavogna sy ny sompatra ao agnatin'ny fonao; fa avy tetoy anao mba hahita ny ady."29 Hoy i Davida: "Ino ijao ny natako? Moa tsy fagnontaniana mandy ve ijany?" 30Nienga tamin'aje teo negnagne amin'ny hafa ijy, sady nijaka hôtran'ijay mandy. Die namaly hôtran'ny teo aloha mandy ny olo.31Laha regny ny jaka ijay nijakain'i Davida, die nampody an'ijay tamin'i Saoly ny miaramila, ka nampagnirake ho an'i Davida ijy. 32Avy eo die hoy i Davida tamin'i Saoly: "Ôka tsy hisy lelahy ho kivy noho io Filistina io ny fony; ny mpanomponao die hienga ka hiady amin'io Filistina io." 33Hoy i Saoly tamin'i Davida: "Tsy afaka handefa hanohitra io Filistina io ka hiady amin'aje anao; satria mbola tanora anao, sady ijy die lelahin'ady nanomboka tamin'ny fahatanorany."34Fa hoy i Davida tamin'i Saoly: "Efa jatra niambigna ny andian'ondrin'iabane ny mpanomponao. Laha avy sady mangala janak'ondry amin'ny andian'ondry ny liogna sy ny bera, 35die nagnenjika ijany sady nandraha an'ijay iaho, sady nagnavotra ijany laha tao amin'ny vavane. Laha mitsangagna hanohitra an'ahe ijy, die tratrako tamin'ny volom-bavane, nandrahako ijy, ka matiko.36Nahafaty liogna sy bera ny mpanomponao. Ka io Filistina tsy mifora io die hanjary ny raike amin'ireo, satria nihantsy ny tafiky ny Andriamanitra velogna ijy."37Hoy i Davida: "Nagnavotra an'ahe tamin'ny hongotry ny liogna sy ny hongotry ny bera i Yaveh. Hagnavotra an'ahe amin'ny tagnan'io Filistina io Ijy." Die hoy i Saoly tamin'i Davida: "Mandihàna ka homba anao anie i Yaveh." 38Nampekanjoin'i Saoly tamin'ny akanjo fediane i Davida. Napetrakane teo amin'ny lohane ny satroka ferovan-doha varahigna, sady nampekanjoine akanjo ferovan-tratra ijy.39Namehy ny sabany tamin'ny akanjo fediane i Davida. Fa tsy afaka namindra ijy, satria mbola tsy nofagnina tamin'io. Die hoy i Davida tamin'i Saoly: "Tsy afaka hivôka hiady miaraka amin'ito iaho, satria mbola tsy nofagnina tamin'ito." Ka nalain'i Davida ireo. 40Nalaine tan-tagnane tegne ny fiokane ka nifidy vato malama dimy laha tao amin'ny lohasahan-driaka ijy; ka napetrakane tao amin'ny kitapone fembenane ondry ireo. Tegne an-tagnane ny antsamodadine laha nagnantogna ilay Filistina ijy.41Avy ka nagnantogna an'i Davida ilay Filistina, ka teo alohakane ny mpitondra ny ampingane. 42Laha nijaha ny magnodidigna ka nahita an'i Davida ilay Filistina, die nagnano tsinotsino an'aje, satria mbola jaja ijy, mena volo, sady tsara endrika. 43Die hoy ilay Filistina tamin'i Davida: "Amboa ve iaho, no avy miaraka amin'ny hajo amin'ahy eto anao?," ka nanitsike an'i Davida tamin'ny andriamanitrane ilay Filistina.44Hoy ilay Filistina tamin'i Davida: "Menga amin'ahy eto, die homeko hôn'ny vorogna egne an-dagnitre sy hôn'ny bibidia agne an-karenana ny nofonao." 45Namaly ny Filistina i Davida hoe: " Avy amin'ahy eto miaraka amin'ny sabatra, sy lefogna anao. Fa iaho avy aminao eo amin'ny agnaran'i Yaveh tompon'ny maro, ilay Andriamanitry ny tafik'Israely, ijay nihantsinao.46Niany die hagnome an'ahe ny fandresena anao i Yaveh, ka hamono anao iaho ka hangala ny lohanao amin'ny vatagnao. Niany die hagnome ny fatin'ny tafik'ilay Filistina hôn'ny bibidia egne an-tany iaho, mba hahafantaran'ny tany abiaby fa misy Andriamanitra ao Israely, 47sady hahafantaran'ny vory abiaby io fa i Yaveh die tsy magnome fandresena amin'ny sabatra na lefogna. Fa an'i Yaveh ny ady, ka hanolotra anareo eo an-tagnanay Ijy."48Laha nitsangagna sy nagnantogna an'i Davida ilay Filistina, die nihajakajaka nalaky negnegne amin'ny tafika fahavalo i Davida mba hitsena an'aje. 49Natsofokane tao agnatin'ny kitapone ny tagnane, nangala vato tao ijy, nelefane tamin'ny tora-bajahane ijay, ka nahavoa an'ilay Filistina teo amin'ny handrigna. Nilentike tao amin'ny hadrign'ilay Filistina ny vato, ka lavo tamin'ny tavagne teo amin'ny tany ijy.50Resin'i Davida tamin'ny tora-bajaha sy ny vato ilay Filistina. Voany ilay Filistina ka matine. Tsy nisy sabatra tegne an-tagnan'i Davida. 51Avy eo die nihajakajake i Davida ka nitsangagna teo ambonin'ilay Filistina sady nangala ny sabatrane, nagnatsôke an'ijay laha tao amin'ny tragnone, namono an'aje, sady nanapaka ny lohane tamin'ijay. Laha hitan'ny Filistina fa maty ilay lelahy matanjakan-dreo, die nilefa areo.52Avy eo die nitsangagna sady nihiaka ny lelahin'Israely sy Joda, ka nagnenjika ny Filistina hatagne amin'ny lohasaha sy ny vavahadin'i Ekrona. Ny Filistina maty die nandry teo amin'ny lalagna megnagne Saraima, sy ny lalagna abiaby megnagne Gata ary Ekrona. 53Nimpody laha tamin'ny fagnenjehana ny Filistina ny olon'Israely, ka nandrava ny tobin-dreo. 54Nalain'i Davida ny lohan'ilay Filistina ka nindôsine tagne Jerosalem ijay, fa ny akanjo fediane die navelane teo amin'ny lainy.55Laha nahita an'i Davida nivôke nanohitra an'ilay Filistina i Saoly, die hoy ijy tamin'i Abnera, kapitenin'ny tafika: "Ry Abnera, janak'ija io tovolahy io?" Die hoy i Abnera: "Laha mbola velogna koa anao, ry mpanjaka, die tsy fantaro" 56Ny mpanjaka nijaka hoe: "Agnontanio ireo ijay mety mahafantatra, hoy janak'ija io jajalelahy io."57Laha nimpody laha tagne amin'ny famonoana ny Filistina i Davida, die nangala an'aje i Abnera, ka nitondra an'aje teo agnatrehan'i Saoly niaraka tamin'ny lohan'ilay Filistina tegne an-tagnane. 58Hoy i Saoly tamin'aje: "Janak'ija anao, ry tovolahy?" Namaly i Davida hoe: "Janak'i Jese Betlehemita mpanomponao iaho."
Chapter 18

1Laha avy nivoria tamin'i Saoly ijy die nifamehe ny fagnahin'i Davida ny fagnahin'i Jonatana, ka nitiavin'i Jonatana hôtran'ny fagnahine mandy ijy. 2Nalain'i Saoly ho amin'ny fanompôna an'aje i Davida tamin'io andro io; tsy navelane himpody agne an-dragnon'iabane ijy.3Avy eo Jonatana sy Davida nagnano fagnikem-pekamàna star nitiavin'i Jonatana hôtran'ny fagnahine mandy ijy. 4Nangala ny akanjo lava ijay namboarane i Jonatana ka nagnome an'ijay an'i Davida niaraka tamin'aje ferovana, sy ny sabany, ny tsipìka, ary fehin-troke.5Die nandeha tagne amin'ijay toerana nagnirahan'i Saoly an'aje i Davida, ka nahomby ijy. Nametraka an'aje teo amin'ny lelahin'ady i Saoly. Nankasitrahana te amason'ny vahôke abiaby ijay ka teo amason'ny mpanompon'i Saoly mandy koa.6Laha nandeha nody avy nandresy ny Filistina areo, die avy laha tamin'ny tanànan'Israely abiaby ny viave, nihira sady nandihy, mba hitsena an'i Saoly mpanjaka, niaraka tamin'ny amponga tapaka, hafaliana, ary java-magneno. 7Nifandimby nihira ny viave laha nilalao areo. Nihira areo hoe: "nivonin'i Saoly ireo agn'arivony, ary Davida koja ireo agn'aligne."8Vignitra mahare i Saoly, ka tsy nahafaly an'aje ijany hira ijany. Hoy ijy hoe: "Efa nagnome agn'aligna ho an'i Davida areo, nefa agn'arivony mandy ny nomen-dreo hôn'ahe. Ino mandy koa ny afaka hanagnane hafa-tsy ny fitondram-panjakana?" 9Nijaha an'i Davida tam-piahiahiana i Saoly nanomboka tamin'io andro io.10Ny andro magnaraka die nisy fagnahy mampidi-doja laha tamin'Andriamanitra nijotso teo amin'i Saoly ka nirediredy tao an-dragno ijy. Noho ijany die nilalao java-magneno hôtran'ny amboarine isan'andro i Davida. Ary nanagna lefogna tegne an-tagnane i Saoly. 11Natilin'i Saoly ny lefogna, satria nieritreritra ijy hoe: "Hitsatohako ho eo amin'ny rindrigna i Davida." Kanefa indroe tafala ny fagnatrehan'i Saoly tamin'ijay fomba ijay i Davida. 12Natahotra an'i Davida i Saoly, satria nomba an'aje Yaveh, fa tsy nomba an'i Saoly koa.13Ka nalain'i Saoly teo amin'ny fagnatrehane ijy ka nitondroine ho mpifehy ny arivo. Ijany ny fomba nivoahan'i Davida sy nengane teo alohakan'ny vahôke. 14Nambinina tamin'ny lalagne abiaby i Davida, satria nomba an'aje Yaveh.15Laha hitan'i Saoly fa nambinina ijy, die varegna tamin'aje ijy. 16Fa tia an'i Davida ny Israely sy Joda abiaby, satria nivôke ijy ka negneo alohakan-dreo.17Ka hoy i Saoly tamin'i Davida hoe: "Itoy i Meraba janako viave jokiny indrindra. Homeko anao ho sakeja ijy. Fa managnà herim-po hôn'ahe ka media ny adin'i Yaveh." Fa nieritreritra Saoly hoe: "Aja avela eo amin'ny tagnako, fa ôka ny tagnan'ireo Filistina ny ho eo amin'aje." 18Hoy i Davida tamin'i Saoly hoe: "Ija moa iaho, sady ija moa ny havako, na ny fianakavian'iabako agne Israely, no tokone ho vinanto lahin'ny mpanjaka iaho?"19Fa tamin'ny fotôgna tokone nagnomejana an'i Meraba, janaka vavin'i Saoly ho an'i Davida, die nomena an'i Adriela Meholatita ho sakeja ijy.20Kanefa i Mikala, janaka vavin'i Saoly, die tia an'i Davida. Nijaka tamin'i Saoly areo, ka nahafaly an'aje ijany. 21Avy eo i Saoly nieritreritra hoe: "Homeko an'aje ijy, mba ho fandrika hôn'aje, sady mba hanohitra an'aje ny tagnan'ny Filistina." Ka nijaka fagnindroane an'i Davida indraike i Saoly hoe: "Ho vinanto lahiko anao."22Nandidy ny mpanompone i Saoly hoe: "Mivoriàna manokagna amin'i Davida, ka jakay hoe: "Indro, mankasitraka anao ny mpanjaka, ka tia anao ny mpanompone abiaby. Ka ankehitriny, meteja ho vinanto lahin'ny mpanjaka."'23Ka nivoria an'io jaka io tamin'i Davida ny mpanompon'i Saoly. Avy eo Davida nijaka hoe: "Raha kely ho anao ve ny ho vinanton'ny mpanjaka, satria olo mahantra iaho, ka atao tsinotsino?" 24Nitatra tamin'aje ny jaka ijay nivorianin'i Davida ny mpanompon'i Saoly.25Ka hoy i Saoly hoe: 'Tsy magniry vodiondry ny mpanjaka, fa lohan-tsitsy jaton'ny Filistina mandy, mba hamaliana faty ny fahavalon'ny mpanjaka."' Ary Saoly nieritreritra ny handavo an'i Davida tamin'ny tagnan'ny Filistina. 26Laha nijaka ireo teny ireo tamin'i Davida ny mpanompone, die nahafaly an'i Davida ny ho vinanton'ny mpanjaka.27Talohakan'ny nahalefy an'io andro io, die nandeha niaraka tamin'ny olony Davida ka namono Filistina rôn-jato. Nindôsin'i Davida ny lohan-tsitsin-dreo, ka nomen-dreo ho an'ny mpanjaka aby io, mba hanjary vinanton'ny mpanjaka ijy. Ka nomen'i Sady an'aje ho sakeja i Mikala janagne viave. 28Laha hitan'i Saoly, sady fantane fa nomba an'i Davida i Yaveh, ary Mikala janaka vavin'i Saoly, die tia an'aje, 29die natahotra mahare kokoa an'i Davida i Saoly. Ary fahavalon'i Davida hatragne i Saoly.30Avy eo ny andrian-dahin'ireo Filistina nivôke hiady, ka arakaraky ny nivoahan-dreo matetike, no nahombiajan'i Davida bebe kokoa noho ny mpanompon'i Saoly abiaby, ka die nisondrotra avo ny agnarane.
Chapter 19

1Ary Saoly nijaka tamin'i Jonatana janagne lahy sy tamin'ny mpanompone ny tokone hamonoan-dreo an'i Davida. Kanefa i Jonatana, janak'i Saoly, die tia an'i Davida fatratre. 2Ka hoy i Jonatana tamin'i Davida: "mirembe hamono anao i Saoly iabako. Noho ijany membena amin'ny maraigna ka mivonia amin'ny toerana magningigna. 3Iaho hivôka hitsangagna eo agnilan'iabako eo amin'ny saha ijay nisy anao, hivoria momba anao amin'ny iabako iaho. Laha mahafantatra raha iaho, die hijakaiko anao."4Nivoria soa momba an'i Davida tamin'i Saoly iabane i Jonatana ka hoy ijy tamin'aje: "Òka tsy hagnota amin'i Davida mpanompone ny mpanjaka. Fa tsy nagnota taminao ijy, ary nitondra soa ho anao ny asane. 5Fa ijy efa nagnano ny aigne tsy ho raha ka namono ny Filistina. Yaveh efa nitondra fandresena makadiry ho an'Israely abiaby. Nahita ijany anao ka faly. Nagnino ny hagnota hanohitra ny rà tsy manan-tsigny amin'ny famonoana an'i Davida tsy ahoan-tsy ahôna anao?"6Niteno an'i Jonatana i Saoly. ka nifanta hoe: "Laha mbola velogna koa Yaveh, die tsy hivonina ijy." 7Die nangaike an'i Davida i Jonatana, ka nijakaine tamin'i Davida ijay raha abiaby ijay. Nindôsin'i Jonatana tagne amin'i Saoly i Davida, ka teo amin'ny fagnatrehane hôtran'ny teo aloha indraike ijy.8Ka nisy ady indraike, die nivôke hiady amin'ny Filistina i Davida ka nandresy an-dreo tamin'ny famonoana makadiry. Die nilefa teo agnatrehane areo. 9Avy tamin'i Saoly ny fagnahy ratsy laha tamin'i Yaveh laha nitoboke tao an-dragnone niaraka tamin'ny lefogna tegne an-tagnane ijy, ka laha nitendry ny java-magneno i Davida.10Ary i Saoly nagnohatre nikendry an'i Davida teo amin'ny rindrigna tamin'ny lefogna, kanefa nilefa ny fagnatrehan'i Saoly ijy, ka natsatok'i Saoly teo amin'ny rindrigna ny lefogna. Nilefa i Davida ka afa-nilefa tamin'igny aligna igny. 11Nandefa irake tagne an-dragnon'i Davida mba hijaha an'aje mba hahafahany mamono an'aje i Saoly ny maraigna. Mikala, sakejan'i Davida, nijaka an'aje hoe: " Laha tsy mamonjy ny aignao niany aligna anao, die hivonina anao ampitso."12Navelan'i Mikala hijotso teo amin'ny varavarankely i Davida. Die nenga ijy ka nilefa, sady afa-nilefa. 13Nangala sampy tao an-dragnone i Mikala die nametraka ijany teo am-pandriane. Sady nangala ondagna volon'osy ijy ka napetragne teo amin'ny lohany, ka nirakofane akanjo ijany.14Laha nandefa mba hangala an'i Davida i Saoly, die hoy ijy hoe: "Marary ijy." 15Die nandefa irake mba hijaha an'i Davida indraike i Saoly, ka hoy ijy: "Indôsy magnanika amin'ahe atoy amin'ny fandrena ijy, mba hahafahako mamono an'aje."16Laha niditra ny irake, indro, ny sampy ijay tao an-dragnone ny teo am-pandriana miaraka amin'ny ondagna volon'osy eo amin'ny lohane. 17Die hoy i Saoly tamin'i Mikala: "Nagnino no namitaka an'ahe anao ka nagnavela ny fahavaloko handeha, ka die afa-nilefa ijy?" Mikala namaly an'i Saoly hoe: "Hoy ijy tamin'ahe, 'Abilay iaho hienga. Nagnino iaho no hamono anao?"18Ary nilefa sy afa-nilefa i Davida, die negnagne amin'i Samoela tagne Rama ka nivoria tamin'aje ny raha abiaby ijay natan'i Saoly tamin'aje. Die nandeha ijy sy Samoela ka nipetraka tagne Naiota.19 Nisy nagnatoro tamin'i Saoly ijay, magnano hoe: "Indro, ao Naiota agne Rama i Davida." 20Die nandefa irake hanambotra an'i Davida i Saoly. Laha nahita ny akamane mpaminany naminany areo, ka Samoela nijoro ho lehiben-dreo, ny fagnahin'Andriamanitra avy tamin'ny irak'i Saoly, die naminany koa areo.21Laha nivorianana ijay i Saoly, die handefa irake hafa ijy, ka naminany mandy koa areo. Ary nagniraka irake fagnintelone indraike i Saoly, ka naminany mandy koa areo. 22Die negnagne Rama koa ijy ka avy teo amin'ny lava-drano tao Seko. Nagnontany ijy hoe: "Aja i Samoela sy Davida?" Nisy olo nijaka hoe: "Indro, ao Naiota agne Rama areo."23Negnagne Naiota agne Rama i Saoly. Die avy tamin'aje tao koa ny fagnahin'i Yaveh, ka naminany tegne am-pandihanana mandra-peviane tagne Naiota tagne Rama ijy. 24Nangala ny fitafiane ijy ka naminany tegne agnatrehan'i Samoela. Nijily nandritra ny atoandro sy ny aligna abiaby ijy. Ijay ny antone nagnontanian-dreo hoe: "Isan'ny mpaminany koa ve i Saoly?"
Chapter 20

1Ary Davida nilefa laha tagne Naiota agne Rama ka negnagne amin'i Jonatana ka nagnano hoe: "Fa ino ny namboariko? Ino ny heloko? Ino ny fahotako teo agnatrehan'iabako, no mandrembe hifofo ny aignako ijy." 2Jonatana nagnano tamin'i Davida hoe: "Sagnatria anie ijany; tsy ho faty anao. Tsy magnano raha na makadiry na kitike ka tsy mijaka ijany amin'ahe iabako. Nagnino no tokone hagnavony ijay raha ijay amin'ahe iabako? Tsy ijany velively."3Ary nivoady indraike Davida ka nagnano hoe: " Fantatry iabanao tsara fa nahita sitraka teo amasonao iaho. Efa nijaka ijy hoe: 'Aja avela ho fantatr'i Jonatana ijao, laha tsy ijany die halahelo ijy.' Nefa laha velogna marina i Yaveh, laha mbola velogna koa anao, die kely fotsine ny elagnelagna eo amin'ahe sy ny fahafatesana."4Ka hoy i Jonatana tamin'i Davida: "Na ino na ino jakainao, die hamboariko ho anao." 5Hoy i Davida tamin'i Jonatana: "Ampitso ny vôloham-bolagna, ka tokone hipetraka hiara-hihinagna amin'ny mpanjaka iaho. Nefa abilay iaho hienga, mba hivony agne an-karenana hatamin'ny harivan'ny andro fahatelo.6Laha mahatsiaro an'ahe iabanao, die atôvy hoe: 'Nagnano fierana fatratra tamin'ahe i Davida mba hamonjy an'i Betlehema tanànane; satria efa ankatoky ny sorogna isan-taogna hôn'ny fianakaviana manontolo agne.' 7Laha hoy ijy hoe: 'Tsara ijane; die hanam-pediana ny mpanomponao. Fa laha vignitra mahare ijy, die fantatro fa nanapa-kevitra hagnano ratsy ijy.8Noho ijany die mifagnaraha tsara amin'ny mpanomponao. Fa efa nitondra ny mpanomponao ho amin'ny fagniken'i Yaveh niaraka taminao anao. Nefa laha misy fahotana amin'ahe, die anao ny hamono an'ahe; ka nagnino iaho no andôsinao agne amin'ny iabanao?" 9Hoy i Jonatana: "Sagnatria aminao anie ijany! Laha mahafantatra iaho fa nanapa-kevitra ny hagnano ratsy anao iabako, die tsy hijaka aminao ve iaho?"10e hoy i Davida tamin'i Jonatana: "Ija ny hijaka amin'ahe laha sagnatria mamaly anao amin'ny jaka mahare iabanao?" Jonatana nagnano tamin'i Davida hoe:11 "Andao, hienga antsena hivôka agne an-karenana." Ka nivôka tagne an-karenana ijy roe lahy.12Hoy i Jonatana tamin'i Davida: "Yaveh, Andriamanitr'Israely anie ho vavolombelogna. Laha avy magnontany an'iabako iaho ampitso amin'ijao ora ijao, na amin'ny andro fahatelo, jahay, laha misy java-tsoa ho an'i Davida, moa tsy hagniraka ho agne aminao sady hampahafantatra anao ve iaho? 13Laha mahafaly an'iabako ny hagnano ratsy anao, Yaveh anie hambôtra an'ijay amin'i Jonatana ary mihôtre aja laha tsy mampahafantatra ijay aminao iaho, mba andihananao am-pedagnana. Homba anao anie Yaveh, hôtran'ny efa nombàny an'iabako.14Fa laha mbola velogna koa iaho, moa tsy hagnatoro an'ahe ny tsy fivadiham-pagneken'i Yaveh ve anao, mba tsy ho faty iaho? 15Aja manapaka ny tsy fivadiham-pagnekenao hiala amin'ny ankohonako mandrakijay- na die foagnan'i Yaveh eo amin'ny tany aja ny fahavalon'i Davida abiaby." 16Ary Jonatana nambôtre fagnikena tamin'ny ankohonan'i Davida ka nagnano hoe: "Yaveh anie hitaky ny onitra eo amin'ny tagnan'ny fahavalon'i Davida."17Nampagnano voady an'i Davida indraike i Jonatana noho ny fitiavane an'aje, satria tia an'aje hôtran'ny fitiavane ny fagnahine mandy ijy. 18Die hoy i Jonatana tamin'aje: "Ampitso ny vôloham-bolagna. Ho tadidy anao satria fôagna ny sejanao. 19Laha nijanogna telo andro anao, die mijotso malaky ka mengà agne amin'ny toerana ijay nivonianao laha teo am-pelatagnana ny raharaha, ka mendrasà eo akekin'ny vatolampy Ezela.20Handefa jana-tsipìka telo eo akekin'ijay iaho, hôtran'ny hoe mitifitra raha kendrena. 21Ary hagniraka jatovolahiko iaho ka hijaka amin'aje hoe: 'Andana rombejo ny jana-tsipìka.' Laha mijaka amin'ny jatovolahy iaho hoe: 'Indro, itsy akekinao itsy ny jana-tsipìka; alay io," die mevia; fa hisy ferovana ka tsy hisy ratsy ho anao, laha mbola velogna koa Yaveh.22"Nefa laha mijaka amin'ny jatovolahy iaho hoe: 'Io, afaranao io ny jana-tsipìka,' die mandihàna amin'ny lalagnao, fa efa nandefa anao i Yaveh. 23Laha ny amin'ny fifagnarahana ijay nivorianintsena, indro,eo agnivontsena mandrakijay i Yaveh."'24Ka nivony tagne an-karenana i Davida. Laha avy ny vôloham-bolagna, die nitoboke nihinagna hanina ny mpanjaka. 25Nitoboke teo amin'ny sejane ny mpanjaka, hôtran'ny mahajatre, teo amin'ny seja teo akekin'ny rindrigna. Nijoro i Jonatana, ary Abnera nitoboke teo akekin'i Saoly. Nefa fôgna ny sejan'i Davida.26Tsy mbola nijaka na ino na ino i Saoly tamin'io andro io, satria nieritreritra ijy hoe: "Nisy raha nahavoa an'aje. Tsy madio ijy; ajo antoke fa tsy madio ijy." 27Fa tamin'ny andro faharoe koja, ny ampitson'ny vôloham-bolagna, die fôgna ny sejan'i Davida. Hoy i Saoly tamin'i Jonatana janagne lahy: "Nagnino no tsy avy amin'ny fihinanana ny janaka lahin'i Jese na maly na niany?"28Jonatana namaly an'i Saoly hoe: "Nangataka alalagna fatratra tamin'ahe mba handeha agne Betlehema i Davida. 29Hoy ijy: "Abilay moa iaho mba hienga. Fa ny havanay managna sorogna ao an-tanàna, ka ny rahalahiko nandidy an'ahe ho agne. Ankehitriny, laha efa nahita sitraka teo amasonao iaho, die abilay moa iaho handeha ka hijaha ny rahalahiko.' Ijay ny antone tsy neviane teo an-databatry ny mpanjaka."30Ka nirehitre tamin'i Jonatana ny havigniran'i Saoly, ka hoy ijy tamin'aje: "Anao ry janaka lahin'ny mpamadika, viave mpikomy! Moa ve iaho tsy mahafantatra fa efa nifidy ny janaka lahin'i Jese ho fahamegnarana ho anao, sy ho fahamegnaran'ny fjilian'iendrinao anao?31 Fa laha mbola miaigna eto an-tany ny janaka lahin'i Jese, die tsy ho tafatoboke na ino na ny fanjakana. Ka ankehitriny, alefaso ka indôsy amin'ahe atoy ijy, fa tsy mentsy ho faty tokôtre ijy."32Jonatana namaly an'i Saoly iabane hoe: "Fa ino ny antone tokone hamonoana an'aje? Ino ny namboarine? 33Ary Saoly nagnatily ny lefogna tamin'aje mba hamono an'aje. Ka die fantatr'i Jonatana fa tapa-kevitra ny hamono an'i Davida iabane. 34Nitsangagna nienga tan-kavignirana teo amin'ny latabatra ka tsy nihinagna hanina i Jonatana ny andro faharoen'ny volagna, fa nalahelo an'i Davida ijy, satria nangala baraka an'aje iabane.35Ny maraigna, nivôke negnagne an-karenana tamin'ny fotôgna vôtondro niaraka tamin'i Davida i Jonatana, sy ny jatovolahy niaraka tamin'aje. 36Hoy ijy tamin'ny jatovolahine: "Mihajakajàha ka rombejo ny jana-tsipìka ijay natifitrao." Ka laha nihajakajake ilay jatovolahy, die nitifirine ny jana-tsipìka tafarane tao. 37Laha avy teo amin'ny toerana ijay nitsatohan'ny jana-tsipìka nalefan'i Jonatana ny jatovolahy, die nangaika ilay jatovolahy i Jonatana avy teo, ka nagnano hoe: "Moa tsy afaranao ao ve ny jana-tsipìka?"38Ary nangaike ny jatovolahy i Jonatana hoe: "Faingana, malakià, aja mijanogna!" Ary ny jatovolahin'i Jonatana namory ny jana-tsipìka nagnanika negnagne amin'ny tampony. 39Nefa tsy nahalala na ino na ino ilay jatovolahy. Jonatana sy Davida mandy ny nahalala ny raharaha. 40Nomen'i Jonatana an'ilay jatovolahine ny fitôvam-pediana ka hoy ijy tamin'aje: "Mandihàna, indôsy agne an-tanàna ireo."41Laha vô nienga ny jatovolahy, die nitsangagna laha tao ambadiky ny dongon-tany i Davida, nandohalika teo amin'ny tany, sady niondrika intelo. Nifagnoroka sy niara-nitagny areo, ka Davida nitagny mahare. 42Hoy i Jonatana tamin'i Davida: "Mandihàna am-pedagnana, satria efa samby nifanta tamin'ny agnaran'i Yaveh antsena ka nagnano hoe: 'Yaveh anie ho eo agnivontsena, ary eo agnivon'ny taranako sy ny taranakao mandrakijay."' Ary nitsangagna Davida ka nienga, fa Jonatana koja nimpody tagne an-tanàna.
Chapter 21

1Die avy tao Noba i Davida mba hijaha an'i Ahimeleka mpisorogna. Avy mba hitsena an'i Davida tam-pangovitana i Ahimeleka ka nijaka tamin'aje hoe: "Nagnino anao no rerike satria tsy misy miaraka aminao?" 2Hoy i Davida tamin'i Ahimeleka mpisorogna hoe: "Nandefa an'ahe hagnatanteraka irake ny mpanjaka ka nijaka tamin'ahe hoe: 'Aja avela hisy hahafantatra na ino na ino momba ny raharaha ijay hagnirahako anao, sy ijay handidiako anao.' Nagnatoro lalagna ny jatovolahy ho agne amina toerana raike iaho.3Ka ino ary ny an-tagnanao ijao? Omeo mofo dimy iaho, na ijay abiaby misy ato." 4Namaly an'i Davida ny mpisorogna ka nagnano hoe: "Tsy misy mofo tsotra eto an-tagnako, fa koja misy mofo masina- laha nahatandri-tegna tamin'ny viave ny jatovolahy."5Davida namaly an'ilay mpisorogna nagnano hoe: "Nahatandri-tegna tamin'ny viave tokôtre ahay nandritra ny telo andro lasa, hôtran'ny fonao isaky ny miaigna iaho. Efa natokagna ny fanagnan'ny lelahy ireo na die ho amin'ny irake tsotra aja. Maika aja vôtokagna ijay anagnan-dreo ankehitriny!" 6Ka die nagnome an'aje ny mofo ijay vôtokagna ny mpisorogna. Fa tsy nisy mofo hafa-tsy ny mofon'ny fagnatrehana mako tao, ijay efa nalaina teo agnatrehan'i Yaveh, mba hametrahana mofo vaovao eo amin'ny toeran'ijay tamin'ny andro nangalàna ijany.7Ary ny raike tamin'ny mpanompon'i Saoly ijay tagne tamin'ijay andro ijay, die vôtajogna teo agnatrehan'i Yaveh. Doega Edomita ny agnarane, lehiben'ny mpiambigna ahombin'i Saoly.8Die hoy Davida tamin'i Ahimeleka hoe: "Tsy misy lefogna na sabatra ajo ampesaina ve eo an-tagnanao? Fa tsy nahatondra mihitsy iaho na ny sabatro na ny firôvam-pediako tamin'ahe tatoy, satria tena meka tokôtre ny raharahan'ny mpanjaka." 9Hoy ny mpisorogna hoe: "Ny sabatr'i Goliata ilay Filistina, ijay nivoninao tagne amin'ny Lohasahan'i Elaha, ijay mofogny lamba ao ambadiky ny efoda ny ao, fa tsy misy fitôvam-pediana hafa ato." Hoy i Davida hoe: "Tsy misy sabatra manahaka an'ijay raike ijay; omeo an'ahy ijay."10Die nitsangagna i Davida ka nilefa an'i Saoly tamin'ijay andro ijay ka negnagne amin'i Akisa, mpanjakan'i Gata. 11Ny mpanompon'i Akisa nijaka tamin'aje hoe: "Tsy i Davida, ilay mpanjakan'ny tany ve itoy?" Tsy itoy ve ilay nifampihirahiran-dreo tamin'ny dihy hoe: 'Saoly namono agn'arivony, ary Davida namono agn'aligne?"12Niresin'i Davida am-po ijay jaka ijay ka natahotra mahare an'i Akisa, mpanjakan'i Gata ijy. 13Nagnova ny fihetsikane teo agnatrehan-dreo ijy ka nodiany ho very saigna teo an-tanànan-dreo; nanorasoratra teo amin'ny lela-bavahady ijy ka navelane hitsotsorika teo amin'ny volom-bavane ny rarivine.14Avy eo die hoy i Akisa tamin'ny mpanompone hoe: "Indro, hitanareo fa very saigna ilay lelahy. Nagnino no nindôsinareo amin'ahe eto ijy? 15Tsy ampy olo môla angaha iaho, no die nindôsinareo eto amin'ahe io mba hagnano fihetsika hôtran'ijao eto agnatrehako? Hiditra an-dragnoko ao tokôtre ve io akama io?"
Chapter 22

1Ka nienga tagne Davida ka nilefa tao an-dava-baton'i Adolama. Laha naharegny ijay ny rahalahine sy ny ankohonan'iabane abiaby, die nijotso tagne amin'aje areo. 2Ny olo abiaby ijay tao agnaty fijaliana, ny olo abiaby ijay tao agnaty trosa, ary ny olo abiaby ijay tsy faly ijy abiaby die nivory tao amin'aje. Nanjary kapitenin'ny mpiambigna teo amin' ijy reo i Davida. Nisy teo amin'ny efa- jato lahy teo ny niaraka tamin'aje.3Ka nienga teo ho agny Mizpa ao oaba i Davida. Hoy ijy tamin'ny mpanjakan'i Moaba hoe: "Mba mengavy re aoka iabako sy iendriko hivôka hiarake aminao mandram- pahalalako je hatan' Andriamanitra ho an'Ahe." 4Navelane niara5 tamin'ny mpanjakan'i Moaba ijy reo.I abane sy endriny nipetraka niaraka tamin'aje tamin'ny fotôgna abiaby naha- tao amin'ny ferovany mafy an'i Davida. 5I Gada mpaminany nijaka tamin'i Davida hoe: " Aja mijanogna ao amin'ny ferovanao mafy. Mievota ka Mandihàna agny amin'ny tanin'i Joda." Ka die nienga tao Davida ka nandeha tao amin'ny alan' i Hareta.6Regnin'i Saoly fa hita niaraka tamin-dreo lelahy ijay niaraka tamin'aje i Davida. ka nitoitre tagne Gibea tambanin'ny hazo tamariska tao Rama i Saoly, niaraka tamin'ny lefogna tegne an-tagnane, ka ny mpanompone abiaby nitsangagna nagnodidigna an'aje.7Hoy i Saoly tamin'ireo mpanompo nijoro magnodidigna anjy: "Tenoy jao, ry vahôkan'i Benjamina, moa ve hagnome saha sy tanim-boaloboka ho an' ny kiraidraike hataminareo ny janaka lahin'i Jese? Moa ve hagnano anareo abiaby ho kapitenin'ny tafika an' anarivony sy an-jatony ijy, 8ho takalon'ny tetikareo abiaby hanohitra an'ahe? Tsy nisy taminareo nampahafantatra an'ahe laha nagnano fagnikena tamin'ny janaka lahin'i Jese ny janako lahy. Tsy nisy taminareo nangoraka an'ahe. Tsy nisy taminareo nampahafantatra an'ahe fa ny janako lahy die nampirisika an'i Davida mpanompoko hanohitra an'ahe. Niany die mivony sady mandigny an'ahe ijy sady mety hanafika an'ahe."9Ary i Doega Edomita, ijay nitsangagna teo amin'ny mpanompon'i Saoly, namaly hoe: "Hitako negnagne Noba ny janaka lahin'i Jese, tao amin'i Ahimeleka janaka lahin'i Ahitoba. 10Nivavaka tamin'i Yaveh ijy mba hagnampiane an'aje, ary nomeny an'aje ny vatsy sy ny sabatr'i Goliata Filistina."11Ary ny mpanjaka nagniraka olo mba nangaika an'i Ahimeleka mpisorogna janaka lahin'i Ahitoba sy ny ankohonan'iabane abiaby, ny mpisorogna ijay tao Noba. Ijy abiaby io die avy teo amin'ny mpanjaka. 12Hoy i Saoly: "Tenoy ary, ry janaka lahin'i Ahitoba." Die namaly ijy hoe: "Itoy iaho, tompoko." 13Ary hoy i Saoly tamin'aje: "Nagnino anao no nitetika hanohitra an'ahe, anao sy ny janaka lahin'i Jese, tamin'ny nagnomejanao an'aje mofo, sy sabatra, ary nivavaka tamin'Andriamanitra mba hagnampiane an'aje, mba hitsangagna hanohitra an'ahe, mba hivony agne amin'ny takogna, hôtran'ijao amboarine niany ijao?"14Ary i Ahimeleka namaly ny mpanjaka ka nagnano hoe: "Ija tamin'ny mpanomponao abiaby moa no mahatoky fatratra hôtran'i Davida, ijay vinanto lahin'ny mpanjaka no sady mpiambigna anao mandy koa, ka omem-boninahitra ao an-dragnonao? 15Niany angaha ny fotôgna vôlohane nivavahako tamin'Andriamanitra mba hagnampy an'aje? Sagnatria amin'ahe anie ijany! Aja mamela ny mpanjaka hagnisy na ino na ino amin'ny mpanompone na amin'ny ankohonan'iabako abiaby. Fa ny mpanomponao die tsy mahalala na ino na ino ny amin'ijao raharaha abiaby ijao."16Namaly ny mpanjaka hoe: "Tsy mentsy ho faty tokôtre anao, ry Ahimeleka, anao sy ny ankohonan'iabanao abiaby." 17Die nijaka tamin'ny mpiambigna nitsangagna nagnodidigna an'aje ny mpanjaka nagnano hoe: "Mitodiha ary vonoy ny mpisorogn'i Yaveh. Satria ny tagnan-dreo mandy koa die miaraka amin'i Davida, ka satria nahafantatra areo fa nilefa ijy, kanefa tsy nagnatoro ijay tamin'ahe. Fa ny mpanompon'ny mpanjaka nefa die tsy te-hagnampatra ny tagnane hamono ny mpisorogn'i Yaveh.18Ary nijaka tamin'i Doega ny mpanjaka hoe: "Mitodiha ka vonoy ny mpisorogna. Die nitodike sady nandraha ny mpisorogna i Doega Edomita; namono olo dimy amby valopolo ijay nekanjo efoda rongony fotsy tamin'ijay andro ijay ijy. 19Tamin'ny lelan-tsabatra, ny nanafihane an'i Noba, tanànan'ny mpisorogna, na lelahy na viave, ankizy na jaja, ary ny ahomby sy ny ampondra ary ondry. Namono an'aje abiaby tamin'ny lelan-tsabatra ijy.20Fa raike tamin'ny janaka lahin'i Ahimeleka janaka lahin'i Abiatara, nilefa sady nitsoka an'i Davida. 21Ary Abiatara nijaka tamin'i Davida fa nivonin'i Saoly ny mpisorogn'i Yaveh.22Hoy i Davida tamin'i Abiatara: "Fantatro tamin'igne andro igne, fa laha tao i Doega ilay Edomita, die tsy mentsy nijaka tamin'i Saoly ijy. Iaho no tompon'andraikitra tamin'ny fahafatesana abiaby tamin'ny havan'iabanao!23 Mijanògna miaraka amin'ahe sady aja matahotre. Fa ny olo ijay mifofo ny aignao die mifofo ny an'ahe mandy koa. Ho vôaro anao miaraka amin'ahe."
Chapter 23

1Ary hoy areo tamin'i Davida: "Indro, miady amin'i Keila ny Filistina ka mandrava ny famoloana." 2Ka nivavaka tamin'i Yaveh Davida mba hagnampy an'aje ka nagnontany an'Aje hoe: "Tokone handeha hanafika an'ny Filistina ireo ve iaho? Ary hoy Yaveh tamin'i Davida: "Mandihàna ka tafiho ny Filistina ka vonjeo i Keila."3Ary hoy ny lelahin'i Davida tamin'aje: "Indro, matahotre antsena eto Joda. Ka maika fa handeha ho agne Keila ka hiady amin'ny tafiky ny Filistina?" 4Die mbola nivavaka tamin'i Yaveh indraike Davida mba hagnampy an'aje. Namaly an'ajy Yaveh hoe: "Mitsangàna, mijotsoa megnagne Keila. Fa homeko anao ny fandresena ny Filistina."5Die negnagne Keila i Davida sy ny lelahine ka niady tamin'ny Filistina. Nindôsine lavitra ny biby fiompy ka nagnavela an-dreo tamin'ny famonoana makadiry ijy. Ka vôvonjin'i Davida ny mponign'ny Keila. 6Laha nilefa tagne amin'i Davida tao Keila i Abiatara janaka lahin'i Ahimeleka, die nijotso niaraka amin'ny efoda tegne an-tagnane ijy.7Ary nagnatoro tamin'i Saoly fa negnagne Keila i Davida. Hoy i Saoly: "Efa nomen'Andriamanitra an'ahe ho eo am-pela-tagnako ijy. Ka vôhidy ao ijy satria niditra tao amin'ny tanàna misy vavahady sy fefy." 8Nampangaike ny tafikane abiaby i Saoly mba hiady, hijotso ho agne Keila, ka hagnano fahirano an'i Davida sy ny lelahine. 9Ary fantatr'i Davida fa magnano teti-dratsy ijy tamin'i Abiatara mpisorogna hoe: "Indôsy atoy ny efoda."10Die hoy i Davida: "Ry Yaveh, Andriamanitry ny Israely, efa regnin'ny mpanomponao tokôtre fa i Saoly die mirembe hegnagne Keila, mba handripaka ny tanàna nohon'ny amin'ahe. 11Hanolotra an'ahe ho eo an-tagnane ve ny olon'ny Keila? Hijotso ve i Saoly araka ny regnin'ny mpanomponao? Ry Yaveh, Andriamanitry ny Israely, mitaraigna aminao iaho, miangavy re mba jakay ny mpanomponao." Ary hoy Yaveh hoe: "Hijotso ijy."12Die hoy i Davida hoe: "Hatolotry ny olon'i Keila ho an-tagnan'i Saoly ve iaho sy ny lelahiko? Die hoy Yaveh hoe: "Hanolotra anao areo."13Die nienga i Davida sy ny lelahine ijay tokone ho teo amin'ny eninjato, ka nienga laha tao Keila, ka nandeha nifindrafindra toerana. Natoro tamin'i Saoly fa nilefa laha tao Keila ijy, ka najnognane ny fagninjehana. 14Nijanogna tao agnaty ferovana mahare tagne agn'efitre i Davida, tegne amin'ny tagnambogna tagne agn'efitr'i Zifa. Nirembe an'aje isan'andro i Saoly, nefa Andriamanitra tsy nanolotra an'aje teo an-tagnane.15Ary hitan'i Davida fa nifofo ny aigne i Saoly; ary efa tagne agn'efitry ny Zina agne Horesa i Davida. 16Ary Jonatana, janaka lahin'i Saoly, nienga ka negnagne amin'i Davida tagne Horesa, ary nankahery ny tagnane tao Andriamanitra.17Hoy ijy tamin'aje hoe: "Aja matahotre. Fa tsy ho hitan'ny tagnan'i Saoly iabako anao. Anao ny ho mpanjaka eo amin'ny Israely, ary iaho die ho eo akekinao. Fantatr'i Saoly iabako ijany." 18Nagnano fagnikena teo alohakan'i Yaveh areo. Die nijanogna tao Horesa i Davida, ary Jonatana nody tagne amin'ny fanegnane.19Ary nagnantogna an'i Saoly tao Gibea ny Zifita ka nijaka hoe: "Tsy i Davida ve ny mivony agne aminay ao agnatin'ny batery ferovana mahare agne Horesa, agne amin'ny tagnambogna Hakila, ijay agne atsimon'i Jesimona? 20Ankehitriny mijotsoà ry mpanjaka! Araka ny sitrakao, midìgna! Hanolotra an'aje ho eo am-pelatagnan'ny mpanjaka ny anjaranay."21Ary hoy i Saoly: "Yaveh anie hitahy anareo. Fa nangoraka an'ahe anareo. 22Mandihàna, atôvy ajo antoke kokoa. Fantaro sady rombejo ny toerana ijay hivoniane sy ijay nahita an'aje tagne. Natoro tamin'ahe fa fetsy tokôtre ijy. 23Ka jahay, ary fantaro ny toerana abiaby ijay hagnavoniane ny tegnane. Die mimpodia indraike amin'ahe atoy hivoria marimarina kokoa, die hiaraka aminareo himpody iaho. Laha agne amin'ny tany ijy, die hirombejiko amin'ny Joda agn'arivony abiaby."24Avy eo nitsangagna areo ka negnagne Zifa melohakan'i Saoly. Ary tagne amin'ny efitry ny Maona i Davida sy ny lelahine, tagne Araba atsimon'i Jesimona. 25Nandeha nirembe an'aje Saoly sy ny lelahine. Fa natoro tamin'i Davida ijay, ka nijotso tagne amin'ny tagnambogna be vato ijy ka nonigna tagne agn'efitry Maona. Laha naharegny an'ijay i Saoly, die nagnenjika an'i Davida tagne an-tany efitr'i Maona ijy.26Ary i Saoly nandeha tamin'ny ilan'ny tampom-bohitra raike, Davida sy ny lelahine koja tamin'ny ilane raike hafa. Nandeha nalaky i Davida mba hagnalavitra an'i Saoly. Laha efa nagnodidigna an'i Davida sy ny lelahine i Saoly sy ny lelahine mba hangala an-dreo, 27die nisy mpitondra tegne nagnantogna an'i Saoly ka hoy ijy tamin'aje hoe: "Malakisà ka avia, fa magnano fanafihana hanohitra ny tany ny Filistina."28Die nimpody laha tamin'ny fagnenjehana an'i Davida i Saoly ka nandeha nifagnandrigna tamin'ny Filistina. Noho ijany ny nangehana an'io toerana io hoe: Vatolampin'ny Filefasana. 29Nagnanika laha tagne Davida ka nonigna tao amin'ny ferovana mafin'i En-jedy.
Chapter 24

1Laha nimpody avy nagnenjika an'ireo Filistina i Saoly,die nivorianina tamin'aje hoe: "Agne agn'efitr'i En-jedy i Davida." 2Avy eo i Saoly die nangala lelahy telo arivo vôfantigna laha tamin'Israely ka nandeha nirembe an'i Davida sy ny lelahy tegne amin'ny Vatolampin'ny Osi-Dia.3Negneo amin'ny valan'ondry tegne an-dalagna ijy, ijay nisy johy raike. Niditra tao mba hagnano maloto i Saoly. Ary Davida sy ny lelahine die nitoboke lavitra tao afarane tao amin'ny johy.4 Hoy ny lelahin'i Davida tamin'aje hoe: "Itoy ny andro ijy nivorianin'i Yaveh laha nijaka taminao Ijy hoe: 'Hatolotro eo am-pelatagnanao ny fahavalonao, mba hamboaranao ijay tianao hamboarina amin'aje." Avy teo Davida nitsangagna ka nandady moramora nandroso ka nanapaka ny moron'akanjo lavan'i Saoly.5Laha afaka ijay die nampijaly an'aje ny fon'i Davida satria nanapaka ny moron'ny akanjo lavan'i Saoly ijy.6 Hoy ijy tamin'ny lelahine hoe: "Yaveh anie handrara ny hamboarako an'ijao raha ijao amin'ny tompoko, ilay vôhosotr'i Yaveh, die ny hagnamparako ny tagnako amin'aje, laha mahita fa vôhosotr'i Yaveh ijy." 7Die nijaka mahare an'ireo lelahine tamin'ny jaka ireo Davida, sady tsy nagnake an-dreo handraha an'i Saoly, nandao ny johy, ary nandeha tamin'ny lalagnane.8Laha afaka ijay, die nitsangagna mandy koa Davida, nandao ny johy, sady nangaike an'i Saoly hoe: "Ry mpanjaka tompoko." Laha nijaha an'aje laha tafara ao i Saoly, die nampenkohoke ny tavagne tamin'ny tany i Davida ka naneho fagnajana an'aje. 9Hoy i Davida tamin'i Saoly hoe: "Nagnino anao no miteno ny lelahy ijay mganano hoe: 'Indro, mirembe hagnano ratsy anao Davida?10Ankehitriny hitan'ny masonao ny fomba nametrahan'i Yaveh anao teo am-pelatagnako tamintsena tao an-johy. Ny saragne nivoria tamin'ahe mba hamono anao, fa namindra fo taminao iaho. Hoy iaho hoe: 'Tsy hagnampatra ny tagnako amin'ny tompoko iaho; satria vôhosotr'i Yaveh ijy.'11 Indro, iabako, jahay ny moron-kongotr'akanjo lavanao eo am-pelatagnako. Fa ny antone nanapahako ny moron-tongotr'akanjo lavanao sy tsy namonoako anao, die mba ho fantatrao sy hitanao fa tsy misy ratsy na fivadihana eto am-pelatagnako, sady tsy nagnota taminao iaho, na die mihaza ny aignako mba hahafaty an'ahe aja anao.12Yaveh anie hitsara an'ahe sy anao, ary Yaveh anie hamaly faty an'ahe aminao, fa ny tagnako die tokone hanohitra anao. 13Araka ny vorianin'ny ohabolagn'ny ntaolo hoe: 'Laha tamin'ny ratsy fagnahy ny hevian'ny faharatsiana,' Fa tsy hanohitre anao ny tagnako.14Ho an'ija ny nivoahan'ny mpanjakan'Israely? Ija no injehine? Amboa maty! Parasy! 15Yaveh anie ho mpitsara an'ahe sy anao, ka hijaha amin'ijay, sady hisolo vava an'ahe sy hamela an'ahe hilefa amin'ny tagnanao."16Laha avy nivoria an'io jaka io tamin'i Saoly i Davida, die hoy i Saoly hoe: "Feonao ve ijany, ry Davida janako?" Nanandratra ny feony i Saoly ka nitagny.17Hoy ijy tamin'i Davida hoe: "Marina kokoa anao mihôtre an'ahe. Satria namaly soa an'ahe anao, laha namaly ratsy anao iaho. 18Natoronao ankehitriny ny fomba namboaranao soa tamin'ahe, satria tsy namono an'ahe anao laha natan'i Yaveh teo an-tagnanao ny aignako.19Fa laha misy lelahy mahita ny fahavalone, die handefa an'aje am-pedagnana ve ijy? Yaveh anie hamaly soa anao amin'ijay vitanao tamin'ahe niany. 20Ankehitriny, fantatro fa ho mpanjaka tokôtre anao ka hapetraka eo am-pelatagnanao ny fanjakan'Israely.21Mifanta amin'ahe amin'i Yaveh fa tsy hamongotra ny taranako mandimby an'ahe anao, ary tsy hamotika ny agnarako hienga amin'ny tragnon'iabako." 22Noho ijany die nagnano fifantana tamin'i Saoly i Davida. Avy eo die nandeha nody i Saoly, fa i Davida sy ny lelahine koja nandeha nagnanika tagne amin'ny ferovana mahare.
Chapter 25

1Ary nodimandry i Samoela. Niara-nivory ny Israely abiaby ka nisaogna an'aje, die nalevignan-dreo tagne an-dragnone tagne Rama ijy. Die nienga i Davida ka nijotso negnagne agn'efitr'i Parana.2Nisy lelahy raike tagne Maona, ijay tagne Karmela ny fanagnane. Tena nanan-karena ilay lelahy. Nanagna ondry telo arivo sy osy arivo ijy. 3Nanety ny ondriny tagne Karmela ijy. Nabala ny agnaran'ny lelahy, ary ny agnaran'ny sakejane die Abigaila. Narangi-tsaigna ilay viave sady tsara endrika. Fa ilay lelahy koja maseke sady ratsy tamin'ny fitondrane. Taranaky ny ankohonan'i Kaleba ijy.4Regnin'i Davida tagne agn'efitre fa nanety ny ondriny i Nabala. 5Ka die nandefa tovolahy folo ijy. Die hoy Davida tamin'ny lelahy: "Magnaniha agne Karmela, mandihàna agne amin'i Nabala, ka miarabà an'aje amin'ny agnarako. 6Jakainareo amin'aje hoe: "Miveloma agnaty fagnambignana. Fiadagnana anie ho anao ary fedagnana anie hôn'ny ankohonanao, ary fedagnana anie hôn'ijay abiaby hanagnanao.7Regniko fa managna mpagnety rahabe anao. Efa niaraka taminay ny mpiambigna ondrinao, ka tsy mba nagnisy ratsy an-dreo ahay, ary tsy nisy na ino na ino tsy ampy tamin-dreo fony tagne Karmela. 8Agnontanio ny jatovo lahinao, die hijakain-dreo aminao. Ary abilay ny jatovo lahiko hahita sitraka eo amasonao, fa tsy mentsy avy ahay amin'ny andro fety. Mba omeo re na ino na ino anagnanao eo an-dragnonao ho an'ny mpanomponao ary ho an'i Davida janaka lahinao."'9Laha avy ny jatovolahin'i Davida, die nijakain-dreo tamin'i Nabala ho an'i Davida aby ijany abiaby ijany, avy teo die nandigny areo. 10Namaly ny mpanompon'i Davida i Nabala nagnano hoe: "Ija moa ijany Davida, ary ija ijany ny janaka lahin'i Jese? Nisy mpanompo rahabe ijay nisara-dàlagna tamin'ny tompon-dreo tamin'ijay andro ijay. 11Tokone hangala ny mofoko sy ny ranoko ary ny henako ijay efa nivoniko ho an'ny mpagnetiko ve iaho, ary hagnome ijay ho an'ny olo ijay tsy fantatro akore hoe avy aja?"12Ka die nimpody ka nandeha nody ny jatovolahin'i Davida, ary nijaka ijay abiaby nivorianina tamin'aje. 13Die hoy Davida tamin'ny olone: "Apetaho ny sabatry ny olo kiraidraike." Ka die nametaka ny sabany ny olo kiraidraike. Die nametaka ny sabany mandy koa i Davida. Lelahy teo amin'ny efajato teo ny nagnaraka an'i Davida, ary rônjato ny nijanogna teo akekin'ny entagna.14Fa nivoria tamin'i Abigaila, sakejan'i Nabala, ny raike tamin'ny olo nagnano hoe: "Nandefa irake rahabe laha tagne agn'efitre mba hiarahaba ny tomponay i Davida, ka nitsiratsiraine areo.15 Kanefa tena tsara taminay tokôtre ny olo. Fa tsy nisy ratsy nahajo anay ary tsy nisy tsy ampy taminay laha mbola nandeha niaraka tamin-dreo koa ahay fony tagne amin'ny saha.16Manda ho anay areo na andro na aligna, nandritra ijay niarahanay tamin-dreo niambigna ny ondry. 17Noho ijany fantaro ijany ka hevero ijay hamboarinareo, fa misy ratsy eritreretinao hamboarina amin'ny tomponay, sy ny ankohonany. Die ny ratsy fagnahy tokôtre ijy mandy ka tsy misy raike afaka mijaka an'aje."18Avy eo Abigaila nangala mofo rônjato nalaky, dovay roe tavoangy, ondry vôvôtre dimy, fatran-dango maigna dimy, mofo vôloboke jato, sy ampem-pan'aviavy rônjato, ary navelany teo ambonin'ireo boriky ireo. 19Die hoy ijy tamin'ny jatovolahine: "Mandehana eo alohako, die hagnaraka anao iaho avy eo." Kanefa tsy nijaka tamin'i Nabala sakejane ijy.20Laha nitengigna ny borikiny ijy die nijotso akekin'ny tagnambogna, Davida sy olony nijotso negnagne amin'aje, ary nifanepake tamin-dreo ijy.21Ary nijaka Davida hoe: "Tena java-pôgna ny nembenako ijay abiaby nanagnan'io lelahy io tagne agn'efitre, fa tsy nisy na ino na ino very ijay abiaby an'aje, die nivaline ratsy ny soa natako an'aje. 22Hambôtre hôtran'ijay amin'ahe anie Andriamanitra, ry Davida, ary mihôtre aja, laha magnavela na die lelahy raike amin'ireo ijay an'aje iaho mandra-maraigna."23Laha nahita an'i Abigaila i Davida, die nijotso nalaky laha teo amin'ny borikine ka nandohalike sady niondrika ary nampenkohoke ny tegnane teo amin'ny tany teo agnatrehan'i Davida. 24Nandohalike teo amin'ny hongone ijy ka nagnano hoe: "Hômin'ahe rerike mandy, ry tompoko, ny fahamelohana. Abilay moa ny mpanomponao mba hivoria aminao, ary mitenoa ny jakan'ny mpanomponao.25Ôka tsy hijaha an'io Nabala, lelahy ratsy fagnahy io ny tompoko, fa araka ny agnarane, die hôtran'ijay mandy ijy. Nabala ny agnarane, ka miaraka amin'aje ny hamôlana. Fa iaho mpanomponao die tsy nahita ny jatovolahin'ny tompoko, ijay nalefanao.26 Ankehitriny ary, ry tompoko, laha mbola velogna koa i Yaveh, ary laha mbola velogna koa anao, satria narovan'i Yaveh tamin'ny fandatsahan-drà, sy tamin'ny famalian'ny tegnanao tamin'ny tagnanao mandy anao, die ôka ny fahavalonao, sy areo ijay mirembe hagnano ratsy amin'ny tompoko, ho hôtran'i Nabala.27Ary ôka itoy fagnomejana ijay efa nindôsin'ny mpanomponao tamin'ny tompoko itoy mba hatolotra ho an'ny jatovolahy ijay magnaraka ny tompoko.28 Mba abilay moa ny fahadisoan'ny mpanomponao, fa hanangagna fonegnana ajo antoka ho an'ny tompoko tokôtre i Yaveh, satria miady ny adin'i Yaveh ny tompoko; ary ny ratsy die tsy ho hita egne aminao laha mbola velogna koa anao.29Na die mitsangagna hagnenjika mba hangala ny aignao aja ireo lelahy, die efa ho fihejin'i Yaveh Andriamanitrao amin'ny fatoran'ny velogna ny aign'ny tompoko; ka hatiline ny aign'ny fahavalonao, eo amin'ny foitran'ny antsamotady.30Die hamboarin'i Yaveh amin'ny tompoko io abiaby nampagnantenainy anao, araka ny nanondroane anao ho mpitondra eo amin'ny Israely. 31Tsy ho enta-mavesatra ho anao- ny nandatsahanao rà tsy manan-tsigny, na nohon'ny nagnan-draman'ny tompoko hagnavotra ny tegnane. Fa laha hagnano soa ho an'ny tompoko i Yaveh, die tsarovy ny mpanomponao."32Die hoy i Davida tamin'i Abigaila: "Isôrana anie Yaveh, Andriamanitr'Israely, Ijy ilay nandefa anao hihaogna amin'ahe niany. 33Hitahina ny fahendrenao, ary hitahina anao, satria efa narovanao tamin'ny fandratsahan-drà sy famaliana faty ny tegnako tamin'ny tegnako mandy iaho!34Fa laha ny marina, laha mbola velogna koa i Yaveh, Andriamanitr'Israely, Ijy ilay niaro an'ahe tsy handratra anao, laha tsy nandeha nalaky hihaogna amin'ahe anao, die tsy ho hisy niangagna ho an'i Nabala hafa-tsy jaja lahy kely raike ny maraigna." 35Ka die nandray ijay nindôsine hôn'aje laha tamin'ny tagnane i Davida; hoy ijy tamin'aje: "Mandihàna am-pedagnana agne amin'ny ankohonanao; indro, efa niteno ny feonao iaho, ary efa nagneky anao."36Die nimpody tagne amin'i Nabala i Abigaila; indro, nagnano fagnasana tan-dragnone tao ijy, hôtran'ny fanasan'ny mpanjaka; ary ny fon'ny mpanjaka faly tao agnatine, satria mamo tanteraka ijy. Ka tsy nijaka na ino na ino ijy mandra-paharaignan'ny andro.37Nony maraigna, laha nisava ny dovain'i Nabala, die nijakain'i sakejane tamin'aje ny ireo raha ireo; die nilofika tao agnatine ny fony, ary nanjary hôtran'ny vato ijy. 38Ary folo andro tatoy afara die nandraha an'i Nabala i Yaveh ka maty ijy.39Laha regnin'i Davida fa nodimandry i Nabala, die hoy ijy: "Isaorana anie Yaveh, ilay nangala ny faniratsirana an'ahe laha tamin'ny tagnan'i Nabala, sady niaro ny mpanompone tamin'ny ratsy. Nampody ny ratsy natan'i Nabala teo amin'ny lohane mandy ijy." Avy teo Davida nagniraka ka nivoria tamin'i Abigaila, mba hangala an'aje ho vady. 40Laha avy tagny amin'i Abigaila tagne Karmela ny mpanompon'i Davida, die nivoria tamin'aje areo ka nagnano hoe: "Nandefa anay ho atoy aminao i Davida mba hangala anao ho sakejane."41Die nitsangagna ijy, nampenkohoke ny tavagne tamin'ny tany, ka nagnano hoe: "Indro, ny mpanompo vavinao die mpanompo hanasa ny tongotry ny mpanompon'ny tompoko." 42Die nitsangagna nalaky i Abigaila, sady nitengigna ny boriky niaraka tamin'ny mpanompo vavine dimy ijay nagnaraka an'aje; ary nagnaraka ny irak'i Davida ijy ka nanjary sakejane.43Die nalain'i Davida ho sakejane mandy koa Ahinoama Jezirela; die samby nanjary sakejane ijy roe. 44Ary koa, Saoly nanolotra an'i Mikala janagne viave, sakejan'i Davida, ho an'i Palty janaka lahin'i Laisa, ijay laha tagne Galima.
Chapter 26

1Avy tagne amin'i Saoly tagne Gibea ireo Zifita ka nijaka hoe: "Tsy mivony agne aminay lohasahan'i Hakila, ijay mifananjo amin'i Jesimona ve i Davida?" 2Die nienga i Saoly ka nijotso negnagne amin'ny efitr'i Zifa, nitondra lelahin'Israely voafantigna telo arivo niaraka tamin'aje, mba hirembe an'i Davida agne an-tany efitr'i Zifa.3Nitoby te amin'ny tagnambognan'i Hakila i Saoly, ijay nananjo an'i Jesimona, teo amoron-dalagna. Fa nipetraka tagne agn'efitre i Davida, ka hitane fa nirembe an'aje tagne agn'efitre i Saoly. 4Ka nagniraka mpitsikilo i Davida ka nahafantatra fa tena avy tokôtre i Saoly.5Nitsangagna i Davida ka nandeha tagne amin'ny toerana ijay nitobian'i Saoly; hitane ilay toerana nandrian'i Saoly, sy Abnera janak'i Nera, ilay jeneralin'ny tafikane; nandry tao an-toby i Saoly, ary nitoby nagnodidigna an-dreo ny olo, samby ajo-tory aby.6Die hoy i Davida tamin'i Ahimeleka Hitita, sy tamin'i Abisay janak'i Zeroia, rahalahin'i Joaba hoe: "Ija ny handeha ho agne amin'i Saoly ao an-toby miaraka amin'ahe?" Hoy Abisay hoe: "Iaho! Hijotso miaraka aminao iaho." 7Ka negnagne amin'ny tafika i Davida sy Abisay ny aligna. Natory tao an-toby niaraka tamin'ny lefogna nitsatoka tamin'ny tany teo akekin'ny lohane i Saoly. Nandry nagnodidigna an'aje i Abnera sy ny miaramilany. 8Die hoy Abisay tamin'i Davida hoe: "Napetrak'Andriamanitra ho eo an-tagnanao ny fahavalonao niany. Abilay moa iaho ijao hagnatroboke ho amin'ny tany indraike mandraha mandy amin'ny lefogna. Tsy handraha an'aje fagnindroane akore iaho."9Hoy Davida tamin'i Abisay hoe:"Aja mamono an'aje; fa ija no afaka magnampatra ny tagnane handraha ilay vôhosotr'i Yaveh ka tsy ho meloke?" 10Hoy i Davida hoe: "Laha mbola velogna koa Yaveh, die Yaveh ny hamono an'aje, na ho avy andro hahafatesane, na handeha hiady ijy ka ho faty.11Ho raràn'i Yaveh anie ny hagnamparako ny tagnako handraha ny vôhosotrane; fa ankehitriny, mengavy aminao iaho, reso ny lefogna ijay eo an-dohane sy ny sinin-drano, ka andao henga." 12Ka die nalain'i Davida laha teo an-dohan'i Saoly ny lefogna sy ny sinin-drano, die nienga areo. Tsy nisy nahita an-dreo na nahalala ijany, na nisy olo nifoha, fa ajo-tory aby areo, satria nilatsaka tamin-dreo ny torimaso laligna laha tamin'i Yaveh.13Die nandeha tegne agnilane i Davida ka nitsangagna teo an-tampon'ny tendrombohitra lavitra tegne; nisy halavirana lehibe nagnelagnelagna an-dreo. 14Nitabataba mahare tamin'ny vahôke sy Abnera janak'i Nera i Davida; hoy ijy hoe: "Tsy mamaly ve anao, ry Abnera?" Die namaly Abnera ka nagnano hoe: "Ija anao ijao mangaingaike ny mpanjaka ijao?"15Hoy Davida tamin'i Abnera hoe: "Tsy anao ve ilay lelahy be herim-po? Ija ny hôtranao eto Israely? Nagnino ary anao no tsy niambigna ny mpanjaka tomponao? Fa nisy olo niditra hamono ny mpanjaka tomponao. 16Tsy tsara ijao raha namboarinao ijao. Laha mbola velogna koa Yaveh, die mendrika ny ho faty anao satria tsy niambigna ny tomponao, die ilay vôhosotr'i Yaveh. Ankehitriny die jahay ijay misy ny lefogn'ny mpanjaka sy ny sinin-drano takekine lohane teo!"17Nahatadidy ny feon'i Davida i Saoly ka nagnano hoe: "Feonao ve ijao, ry Davida janako lahy?" Hoy Davida hoe: "Feoko ijao, ry mpanjaka, tompoko." 18Hoy ijy hoe: "Nagnino no magnenjika ny mpanompone tompoko? Ino ijane ny namboariko? Ino ny ratsy eo an-tagnako?19Ankehitriny ary, mengavy aminao iaho, ôka ny tompoko mpanjaka hiteno ny jakan'ny mpanompony. Laha Yaveh ny nampientagna anao hanohitra an'ahe, ôka Ijy hagneke fagnatitra raike; fa laha olombelogna ijay, die ho vôtsitsike eo amason'i Yaveh anie ijy, fa nandrôka an'ahe areo niany, mba tsy hifikirako amin'ny lovan'i Yaveh; hoy areo tamin'ahe hoe: 'Mandihàna manompo andriamani-kafa.' 20Ankehitriny ary, aja avela ho very eo amin'ny tany lavitry ny fagnatrehan'i Yaveh ny ràko; fa efa nivôke hirembe ny parasy kely raike hôtran'ny hitajognan'ny olo tsipoy raike amin'ny tendrombohitre ny mpanjakan'Israely."21Die hoy i Saoly hoe: "Nagnota iaho. Mimpodiàna, ry Davida, janako lahy; fa tsy hagnano ratsy anao koa iaho, satria sarobidy teo amasonao ny aignako niany. Indro, nimôlamôla iaho ka nagnano fahadisoana ratsy indrindra."22Namaly i Davida ka nagnano hoe: "Indro, itoy ny lefognanao, ry mpanjaka! Ôka hisy raike amin'ny tovolahy hitsaka ka hangala ijany ka hitondra an'aje agne aminao.23 Yaveh anie hamaly ny olo kiraidraike nohon'ny fahamarignane sy ny fahatokiane aby; satria nametraka anao teo an-tagnako Yaveh niany, kanefa tsy nandraha ny vôhosotrane iaho.24Indro, hôtran'ny naha-sarobidy ny aignao teo amasoko niany, die enga anie ka homen-danja eo amason'i Yaveh hôtran'ijay ny aignako, ka hagnavotra an'ahe amin'ny fijaliana abiaby anie Ijy." 25Die hoy i Saoly tamin'i Davida: "Ho tahina anie anao, ry Davida janako! Hambôtre raha makadiry tokôtre anao ka hambinina amin'ijay." Ka nijotra tamin'ny lalagne i Davida, ary nimpody tagne amin'ny toerany i Saoly.
Chapter 27

1Nijaka tao am-pony i Davida hoe: "Ho fatin'ny tagnan'i Saoly iaho indraike andro agne; tsy misy soa hôn'ahe hafa-tsy ny milefa megnagne amin'ny tanin'ny Filistina; tsy hirembe an'ahe eran'ny fari-tanin'ny Israely abiaby koa i Saoly; amin'ijay lalagna ijay ny hilefako hienga amin'ny tagnane."2Nitsangagna i Davida ka nienga, ijy sy ny lelahy enin-jato ijay niaraka tamin'aje, ho agny amin'i Akisy janak'i Maoka, mpanjakan'i Gata. 3Nonigna niaraka tamin'i Akisy tao Gata i Davida, ijy sy ny lelahine, ny lelahy kiraidraike miaraka amin'ny ankohonane aby, ary Davida miaraka amin'ny sakejane roe, Ahinoama Jerizelita sy Abigaila Karmelita, sakejan'i Nabala. 4Natoro tamin'i Saoly fa nilefa agne Gata i Davida, ka tsy nirembe an'aje koa ijy.5Hoy i Davida tamin'i Akisy: "Laha nahita fitia teo amasonao iaho, ôka areo hagnome toerana amin'ny tanàna raike eo amin'ny firenena hôn'ahe, ka hahafahako mipetraka agne: fa nagnino ny mpanomponao no hiara-hipetraka ao an-tanànan'ny mpanjaka miaraka aminao?" 6Die nomen'i Akisy an'aje ny andron'io Ziklaga; ijay ny antone nahavy an'i Ziklaga ho an'ny mpanjakan'i Joda nanomboka tamin'ijay andro ijay indrindra. 7Herintaogna feno sy efa-bolagna ny isan'ny andro ijay nipetrahan'i Davida tagne amin'ny tanin'ny Filistina.8Ary toerana maro isan-karajagne ny nitafihin'i Davida sy ny lelahine, nagnano fanafihana tagne Gersonita, Gizrita, ary Amalekita; satria io firenena io die mponigna tao amin'ny tany, laha hegnagne sora, ka hatagne amin'ny tany Egypta anao. Efa nonigna tagne areo taloha. 9Nanafika ny tany Davida ka tsy nisy navelane ho velogna na lelahy na viave; nindôsine ny ondry, ny ahomby, ny ampondra, ny rameva, ary ny fitafiana; ka nimpody ho agne amin'i Akisy indraike ijy.10Die hoy i Akisy hoe: "Ija ny nitafihinareo niany?" Die namaly i Davida hoe: "Ny atsimon'i Joda," na "Ny atsimon'ny Jaramelita" na "Ny atsimon'ny Kenita."11Tsy nisy navelan'i Davida ho velogna mba hindôsina agne Gata na lelahy na viave, fa hoy ijy hoe: "Mba tsy hahafahan-dreo mijaka hoe: 'Mambôtre an'ijao sy ijao Davida." Ijay ny namboarine nandritra ny fotôgna abiaby nipitrahane tagne amin'ny firenenan'ny Filistina. 12Nino an'i Davida i Akisy ka nagnano hoe: "Efa namboarine ijay hankahalan'ny Israely vahôkane an'aje tanteraka; noho ijany die ho mpanompoko mandrakijay ijy."
Chapter 28

1Ka tamin'io andro io ny Filistina die nampivondrogna ny tafikane hiady amin'ny Israely. Hoy i Akisy tamin'i Davida: "Fantaro tsara fa hivôka hiarake amin'ahe ho agne an-toby, anao sy ny lelahinao."2 Hoy i Davida tamin'i Akisy: "Ho fantatrao ijay afaka hamboarin'ny mpanomponao." Hoy Akisy tamin'i Davida hoe: "Ka hatako mpiambigna an'ahe rekitre anao."3Ary maty i Samoela, ary ny Israely abiaby nisaogna an'aje ka nandevigna an'aje tao Rama, tao amin'ny tanànane. Nifongarin'i Saoly tsy ho eo amin'ny tany mandy koa ijay nivoria tamin'ny maty na tamin'ny fagnahy. 4Ary nivondrogna niaraka ny Filistina ka avy sady nitoby tao Sonena; ary Saoly nampivondrogna ny Israely abiaby, ka nitoby tao Gilboa areo.5Laha nahita ny tafik'ireo Filistina i Saoly, die natahotra ijy, sady nangorohoro mahare ny fony. 6Nitaraigna fagnampiana tamin'i Yaveh i Saoly, kanefa tsy namaly an'ajy i Yaveh- na tamin'ny nofy, na tamin'i Orima, na tamin'ny mpaminany. 7Die hoy i Saoly tamin'ny mpanompone: "Irombejo viave mivoria amin'ny maty iaho, mba hahafahako megnagne amin'aje ka mirembe hevitra amin'aje." Hoy ny mpanompone tamin'aje: "Indro, misy viave agne Andora ijay mijaka fa mivoria amin'ny maty."8Nagnova endrika i Saoly, nagnano akanjo hafa, ka nandeha, ijy sy ny lelahy roe niaraka tamin'aje; negnagne amin'ilay viave areo ny aligna. Hoy ijy: "Mitaraigna aminao iaho, mamboara fangehana ny maty hôn'ahe, miaraka amin'ny fagnahy, ary indôsy miakatre ijay agnarana jakaiko anao." 9Hoy ilay viave tamin'aje: "Indro, fantatro ijay natan'i Saoly, ijay namongorany ijay mivoria amin'ny maty na amin'ny fagnahy tsy ho eo amin'ny tany. Ka nagnino anao no mametrake fandrika ho an'ny aignako, mba hahafaty an'ahe?" 10Nifanta tamin'aje tamin'ny alalan'i Yaveh i Saoly ka nagnano hoe: "Laha mbola velogna koa Yaveh, die hisy fagnasajiana hiantra aminao noho ijao raha ijao."11Ary hoy ilay viave: "Ija ny tokone hindôsiko magnanika eto aminao? Hoy i Saoly: "Indôsy magnanika hôn'ahe i Samoela." 12Laha nahita an'i Samoela ilay viave, die nihiaka mahare ijy ka nivoria tamin'i Saoly nagnano hoe: "Nagnino anao no namitaka an'ahe? Fa Saoly anao."13Hoy ny mpanjaka tamin'aje: "Aja matahotre. Ino ny hitanao?" Hoy ilay viave tamin'i Saoly: "Mahita andriamanitra magnanika laha tao amin'ny tany iaho." 14Hoy ijy tamin'aje: "Hôtran'ija ny endrikane?" Hoy ijy: "Lelahy antitra no avy miakatre; magnano akanjo lava ijy." Fantatr'i Saoly fa i Samoela ijany, ka nampenkohoke ny tavagne tamin'ny tany ijy ka naneho fagnajana.15Hoy Samoela tamin'i Saoly: "Nagnino anao no nagnakorontagna an'ahe ka nitondra an'ahe nagnanike?" Saoly namaly hoe: "Ory lôtre iaho, satria ny Filistina die tsy mila ady hanohitra an'ahe, ary Andriamanitra nandao an'ahe ka tsy namaly an'ahe koa, na tamin'ny mpaminany, na tamin'ny nofy. Noho ijany die nangaika anao iaho, mba hahafahanao mampahafantatra an'ahe ijay tokone hatako."16Hoy i Samoela: "Ino ary ny agnontanianao an'ahe, satria nandao anao Yaveh, ka nanjary fahavalonao Ijy?17 Natan'i Yaveh taminao ijay efa nivorianine hamboarine. Efa nagnatsôka ny fanjakana tsy ho eo an-tagnanao ijy ka nagnome ijany ho an'olon-kafa- ho an'i Davida.18Satria anao tsy nankatò ny feon'i Yaveh ka tsy nitondra ny firehetan'ny havignirane tamin'i Amalekita, die natane taminao ijay niany. 19Ankôtran'ijay, i Yaveh die hanolotra anao sy ny Israely ho eo an-tagnan'ny Filistina. Ampitso anao sy ny janakao lahy die hiaraka amin'ahe. Hatolotr'i Yaveh ho eo an-tagnan'ny Filistina mandy koa ny tafik'Israely.20Avy hatragne die lavo niampatra tamin'ny tany i Saoly ka tena natahotra ijy noho ny jakan'i Samoela. Tsy nisy hery tao agnatine, satria tsy nihinan-kanina ijy nandritra ny atoandro tontolo, na tamin'ny aligna tontolo. 21Negneo amin'i Saoly ilay viave ka nahita fa tena nikorotan-tsaigna ijy, hoy ijy tamin'aje: "Indro, ny mpanompovavinao efa niteno ny feonao; efa napetrako teo am-pelatagnanao ny aignako sady efa niteno ny jakanao ijay nambaranao tamin'ahe.22Ka ankehitriny, mitaraigna aminao iaho, tenoy mandy koa ny feon'ny mpanompovavinao, ka abilay iaho hametraka hanina kely eo alohakanao. Mihinàna mba hajahoanao hery laha handeha amin'ny lalagnao anao." 23Fa i Saoly nandà ka nijaka hoe: "Tsy hihinagna iaho." Fa ny mpanompone, niaraka tamin'ny viave, nanery an'aje, ka die niteno ny feon-dreo ijy. Ka nitsangagna laha teo amin'ny tany ijy ka nitoboke teo am-pandrena.24Nanagna janak'ahomby nifahy tao an-dragnone ilay viave; nandeha nalaky ijy ka namono an'ijay; nangala koba ijy, nagnafangaro ijany, ka nagnendy ny mofo tsy misy lalovay niaraka tamin'ijany. 25Nindôsine teo alohakan'i Saoly sy ny mpanompone ijay, ka nihinagna areo. Die nitsangagna areo ka nienga ny align'igne.
Chapter 29

1Ary namory ny tafikane abiaby tao Afeka ny Filistina; 2nitoby teo akekin'ny loharano ijay tagne Jezirela ny Israelita. Nijarain'ny andrian'ny Filistina an-jatone sy agn'arivony ny miaramila; Davida sy ny olone nandeha laha teo amin'ny mpiambigna ny vodilalagna niraraka tamin'i Akisy.3Ary hoy ny andrian'ny Filistina: "Ino ny amboarin'ireo Hebreo ireo atoy?" Hoy Akisy tamin'ny andrian'ny Filistina hafa: "Fa tsy i Davida ve io, ilay mpanompon'i Saoly, mpanjakan'Israely, ijay efa niaraka tamin'ahe tamin'ireo andro ireo, na tamin'ireo taogna ireo akore aja, ka tsy fahadisoana tamin'aje iaho hatramin'ijay nerahane tamin'ahe ka hatamin'ny niany?"4Nefa ny andrian'ny Filistina die vignitra tamin'aje; hoy areo tamin'aje: "Alefaso mandeha agne ijany lelahy ijany, ôka ijy himpody agne amin'ny toerany ijay nomenao an'aje; aja avela mandeha miaraka amintsena ho agne amin'ny ady ijy, mba tsy hanjary fahavalontsena amin'ny ady ijy. Fa akore ny ahafahan'io akama io hihavana amin'ny tompony? Moa ve tsy amin'ny alalan'ny lohan'ny olontsena?5Moa ve tsy io i Davida ilay nifampihiran-dreo tamim-pandihijana, nagnano hoe: 'Nahafaty agn'arivony i Saoly ary Davida nahafaty agn'aligne'?"6Ary Akisy nangaike an'i Davida ka nagnano tamin'aje hoe: "Laha mbola velogna koa Yaveh, die tsara anao, ka sitrako ny miara-mivôke sy miaraka aminao ao amin'ny tafika; fa tsy mbola nahita fahadisoana taminao iaho hatamin'ny andro nevianao tamin'ahe tatoy ka hatamin'ny niany. Na die ijay aja, die tsy ankasitrahan'ireo andriana anao.7 Ka ankehitriny mimpodiana ka mandihàna am-pedagnana, mba tsy hahavignitra ny andrian'ny Filistina anao."8Hoy i Davida tamin'i Akisy: "Fa ino ny namboariko? Ino ny hitanao tamin'ny mpanomponao hatamin'ijay naha-teo agnatrehanao an'ahe ka hatamin'ny androany, no die tsy afaka mandeha miady hanohitra ny fahavalon'ny tompoko mpanjaka iaho?" 9Namaly i Akisy ka nagnano tamin'i Davida hoe: "Fantatro fa tsy manan-tsigny hôtran'ny anjelin'Andriamanitra eo amasoko anao; na die ijany aja, ny andrian'ny Filistina efa nagnano hoe: 'Tsy mahajo magnanike miaraka amintsena ho agne amin'ny ady ijy.'10Ka ankehitriny mifohaja maraim-be miaraka amin'ny mpanompon'ny tomponao ijay avy niaraka aminao; vantany vô mifoha anao ny maraim-be ary majava ny andro, die mandihàna." 11Ary Davida nifoha maraim-be, ijy sy ny olony, mba hienga maraigna, mba himpody agne amin'ny tanin'ny Filistina. Nefa ny Filistina nagnanika tagne Jezirela.
Chapter 30

1Ary laha avy tagny Ziklaga i Davida sy ny olony tamin'ny andro fahatelo, die nanafika teo amin'ny Negeva sy teo amin'i Ziklaga ny Amalekita. Nanafika an'i Ziklaga areo, ka nagnoro ijany,2 ka nanambotra ny viave sy ny olo abiaby ijay tao amin'ijay, na kely na lehibe. Tsy namono na ija na ija areo, fa nitondra an-dreo nandeha tamin'ny lalagne.3Laha negnagne amin'ny tanàna i Davida sy ny olony, die efa may ijany, ary ny sakejane, ny janagne lahy, sy ny janagne viave die nalaina ho babo. 4Avy eo die nampiaka-peo i Davida sy ny olony niaraka tamin'aje ka nitagny mandra-paha-tsy nisian'ny hery hitagniane koa.5Vôbabo ny sakejan'i Davida roe, Ahinoama Jezeralita, ary Abigaila sakehan'i Nabala Karmelita. 6Ory tanteraka i Davida, satria nivoria momba ny hitilim-bato an'aje ny vahôke, satria mangidy ara-pagnahy ny vahôke abiaby, ny olo kiraidraike ny amin'ny janagne lahy sy ny janagne viave; fa Davida nagnajily ny tegnane tamin'i Yaveh, Andriamanitrane.7Hoy i Davida tamin'i Abiatara janak'i Ahimeleka, ilay mpisorogna: "Miangavy aaminao iaho, indôsy amin'ahe atoy ny efoda." Die nindôsin'i Abiatara teo amin'i Davida ny efoda. 8Nangataka torolalagna tamin'i Yaveh i Davida, nagnano hoe: "Laha magnenjika an'io antoko io iaho, ho ajoko ve areo?" Ary Yaveh namaly an'ajy: "Enjeho, fa ajo antoke fa ho ajonao tokôtre areo, ary ajo antoke fa hagnapody ny raha abiaby anao."9Die nandeha i Davida, ijy sy ny eninjato lahy ijay niaraka tamin'aje; ka avy tagne amin'ny reniranon'i Besora areo, ijay nijanon'ireo taraiky tafara tagne. 10Fa nanohy ny fagnenjehana i Davida, ijy sy ny efajato lahy; fa ny rônjato nijanogna tafara tao, ijay tena osa ka tsy afaka ny handeha eo amin'ny lohasahan-driakan'i Besora.11Nahita Egyptiana raike tegne an-karenana areo ka nitondra an'aje tagne amin'i Davida; nomen-dreo mofo ijy, ka nihinagna; nomen-dreo rano hinomina ijy; 12ary nomen-dreo ampahana mofo-mamin'aviavy sy sampam-bôloboke roe ijy. Laha nihinagna ijy, die nahajo hery indraike, satria tsy nihinagna mofo na ninogna rano nandritra ny telo andro sy telo aligna ijy.13Hoy i Davida tamin'aje: "An'ija moa anao? Laha taja anao?" Die hoy ijy: "Tovolahin'i Egypta iaho, mpanompona Amalekita raike; nandao an'ahe ny tompoko satria narary iaho telo andro lasa ijay.14 Nanafika an'i Negevan'i Keretita ahay, sy ijay an'i Joda, ary Negevan'i Kaleba, ka nirônay i Ziklaga."15Hoy i Davida tamin'aje: "Hitondra an'ahe hijotso agne amin'ny antoko mpanafika ve anao?" Hoy ilay Egyptiana: "Mifanta amin'ahe amin'Andriamanitra mba tsy hamonoanao an'ahe na hamadihanao an'ahe eo am-pelatagnan'ny tompoko, die hitondra anao hijotso amin'ijany antoko mpanafika ijany anao."16Laha nitondra an'i Davida nijotso ilay Egyptiana, die niparitaka teo amin'ny tany abiaby ny mpanafika, nihinagna sady ninogna ary nandihy noho ireo babo abiaby ijay nalain-dreo tamin'ny tagnan'ny Filistina ary tamin'ny tanin'i Joda. 17Nanafika an-dreo i Davida nanomboka ny aligna ka hatamin'ny alignan'ny andro magnaraka. Tsy nisy na olo raike aja tafalefa hafa-tsy ny tovolahy efajato, ijay nitengigna rameva ka nilefa.18Die tafampodin'i Davida ijay nalain'ny Amalekita abiaby; ka vôvonjin'i Davida ny sakejane roe. 19Tsy nisy raha tsy ampy, na kely na lehibe, na ny janagne lahy na ny janagne viave, na ny babo, na ny raha abiaby ijay nibaboin'ireo mpanafika hôn-dreo. Nampodin'i Davida ny raha abiaby. 20Nalain'i Davida ny ondry amban'osy abiaby sy ny ahomby, ijay nindôsin'ny olo neloha ny biby fiompy hafa. Hoy areo hoe: "Io ny babon'i Davida."21Avy tagne amin'ny olo rônjato ijay tena osa laha hagnaraka an'aje i Davida, ireo ijay natan'ireo hafa nijanogna tagne amin'ny reniranon'i Besora. Ireo lelahy ireo die nandroso mba hihaogna amin'i Davia sy ny vahôke niaraka tamin'aje. Laha avy teo amin'ireo olo ireo i Davida, die niarahaba an'aje areo. 22Ny olo ratsy fagnahy sy ny akama tsy misy ilàna an'aje teo amin-dreo efa nandeha niaraka tamin'i Davida nijaka hoe: "Satria tsy nandeha niaraka tamintsena ireo lelahy ireo, die tsy hagnome an'aje ny babo ijay efa ajontsena antsena. Laha tsy hoe afaka mangala ny sakejane sy ny janagne ny lelahy kiraidraike, ka mitarika an-dreo, ka mandeha."23Ary hoy i Davida: "Tsy tokone hagnano ijany, amin'ijay efa nomen'i Yaveh antsena, anareo ry rahalahiko. Efa narovane antsena sady efa natlotrane teo an-tagnàntsena ny mpanafika ijay avy hanohitra antsena. 24Ija ny hiteno anao amin'ijay tranga ijay? Fa ny fijarana die ho an'ijay mandeha amin'ny ady, sy ho an'ny olo ijay mandigny ny entagna mandy koa; fa hijara mitovy areo." 25Die hôtran'ijay ny tamin'ijany andro ijany ka hatramin'ijao, satria natan'i Davida didy sy lalàna ho an'ny Israely ijany.26Laha avy tagny Ziklaga i Davida, die nandefa ny saragne tamin'ny babo ho an'ireo loholon'i Joda, ho an'ny akamane ijy, nagnano hoe: "Indro, itoy misy fagnomejana ho anao laha tamin'ny babo laha tamin'ny fahavalon'i Yaveh." 27Nandefa ny saragne tagne amin'ny loholona ijay agne Betela mandy koa ijy, ka ho an'ny ijay tagne Ramotan'ny atsimo, sy ho an'ireo ijay agne Jatira, 28ary ho an'ireo ijay agne Aroera, sy ho an'ireo ijay agne Sifmota, ary ho an'ireo ijay agne Estemoa.29Nandefa ny saragne tagne amin'ny loholona ijay agne Rakala, sy ireo ijay agne amin'ny tanànan'i Jeramelita, ary ireo ijay agne amin'ny tanànan'ny Kenita,30 ary ho an'ireo ijay agne Horma, sy ireo ijay agne Korsana, ary ho an'ireo ijay agne Ataka, 31sy ireo ijay agne Hebrona, ary amin'ny toerana abiaby ijay nandehanan'i Davida sy ny olony matetika ijy.
Chapter 31

1Ary ny Filistina niady nanohitra an'Israely. Ary ny lelahin'Israely nilefa teo alohakan'ny Filistina ka lavo maty teo amin'ny Tendrombohitr'i Gilboa. 2Ny Filistina nagnenjika akeky an'i Saoly sy ny janagne lahy. Nivonin'ireo Filistina i Jonatana, Abinadaba, ary i Malkisoa, janagne lahy. 3Niha-henjagna teo agnatrehan'i Saoly ny ady, ka ny mpandefa jana-tsipìka nahavoa an'aje. Tao agnatin'ny fanaintaignana mahare ijy nohon'ny amin-dreo.4Ka hoy i Saoly tamin'ny mpitondra ny fediane: "Avoahy ny sabatrao ka trobahy amin'ijay iaho. Laha tsy ijany, ireo tsy vôfora ireo ny ho avy ka hagnararaotra an'ahe." Fa tsy nambôtre an'ijay ilay mpitondra ny fediane, satria natahotra mahare ijy. Ka nalain'i Saoly ny sabatrane ka nidaboke tambonin'ijay ijy. 5Laha hitan'ny mpitondra ny fediane fa maty i Saoly, die nidaboke tambonin'ny sabatrane hôtran'ijay koa ijy ka maty niaraka tamin'aje. 6Ka die maty i Saoly, ny janagne telo lahy, ary ny mpitondra ny fediane _ ireo lelahy ireo die niara-maty tamin'igne andro igne mandy.7Laha hitan'ny lelahin'Israely ijay tegne agnilan'ny lohasaha, sy ireo ijay tegne agnilan'i Jordana, fa nilefa ny lelahin'Israely, sady maty i Saoly sy ny janagne lahy, die nandao ny tanànane sady nilefa areo, ka avy ny Filistina ka nonigna teo amin'io. 8Ka ny ampitson'io, laha avy hangala ny faty ny Filistina, ny nahita an'i Saoly sy ny janagne telo lahy lavo teo amin'ny tendrombohitra Gilboa.9Nitapahin-dreo ny lohane sady nendahine ny lambane, ary nandefa ny mpitondra hafatra nagneragna ny tanin'ny Filistina mba hitondra ny vaovao agne amin'ny tempolin-tsampin-dreo sy agne amin'ny vahôke areo. 10Napetrakan-dreo tao amin'ny tempolin'i Astarta ny fediane, ary ny vatagne nifihejine teo amin'ny mandan'ny tanànan'i Beti-sana.11Laha naharegny ijay namboarin'ny Filistina tamin'i Saoly ny mponign'i Jabesy Gileada, 12die nitsangagna ireo lelahy mpiady abiaby ka nandeha ny aligna manontolo ka nangala ny fatin'i Saoly sy ny fatin'ny janagne lahy teo amin'ny mandan'i Beta-sana. Negnagne Jabesa areo ka nirône teo ireo. 13Ary nalain-dreo ny tôlagnan-dreo avy teo ka nalevigna tambanin'ny hajo tamariska tao Jabesy, ary nifady hanina nandritra ny fito andro areo.

2 Samuel

Chapter 1

1Tafaran'ny nahafatesan'i Saoly, die nipody avy agny amin'ny fanafihana an'ireo Amalekita i Davida ary nijanogna tao Ziklaga nandritre ny roa andro.2 Tamin'ny andro fahatelo, die nisy lelahy raike niarake tamin'ny sikigne rotidrotike sy loto teo amin'ny lohany no tonga avy tagny amin'ny tobin'i Saoly. Laha tonga teo amin'i Davida ijy die niankohoke tamin'ny tany ary nagnondrike ny tegnany.3Hoy Davida tamin'ajy hoe: ''Avy aja anao? ''Namaly ijy hoe: ''Nitsôke avy tagny amin'ny tobin'Israely iaho. 4''Hoy Davida tamin'ajy hoe: ''Jakao an'ahy rô ny fitrangan'ijany raha ijany. ''Namaly ijy hoe: ''Nilefa tamin'ny ady ireo vahôke. Maro no lavo ary rahabe ny maty. Saoly sy Jonatana janagny lahy mandy koa die maty. '' 5Hoy Davida tamin'ilay jalahy hoe: Ahôna no hahafantaranao fa maty Saoly sy Jonatana janagny?''6Namaly ilay jalahy hoe: Kisendrasendra no naha-teo amin'ny Tetin'i Gilboa an'ahy, ary io Saoly nitehigna tamin'ny lefony, ary ireo kalesy sy ireo mpideba an'ajy die teo am-panamboarana an'ajy. 7ihondikondina Saoly ary nahita an'ahy ka nangaike mahare an'ahy. Die namaly iaho hoe: ' Itoy iaho.'8Hoy ijy tamin'ahy hoe: Ija anao?' Namaly an'ajy iaho hoe: 'Amalekita iaho.9 Hoy ijy tamin'ahy hoe: Mitsangana rô eto akekiko ary vonoy iaho, fa fahoriana lehibe no manjo an'ahy, kanefa mbola eto amin'ahy ny aigna.'10 Noho ijany die nagnatogna teo amin'ajy iaho ary namono an'ajy, satria fantatro fa tsy ho velogna ijy tafaran'ny nahalavo an'ajy. Avy eo die nalaiko ny satro-boninahitre ijay teo amin'ny lohany sy ny fehin-tagnana teo amin'ny sandriny, ary ireo nindôsiko eto aminao ireo, ry tompoko.''11Avy eo die nandrovitre ireo sikignany i Davida, ary nagnano hôtran'ijany koa ireo olo abiaby niarake tamin'ajy. 12Nisaogna areo, nitagny, ary nifady haninaho an'ny Saoly mandra-pahatsondrognandro, ho an'i Jonatana janagny lahy, ho an'ireo vahôkan'i Yaveh, ary ho an'ny ankohonan'i Yaveh satria lavo tamin'ny sabatre areo.13 Hoy Davida Davida tamin'nilay jalahy hoe: Avy aja anao?'' Namaly ijy hoe: "Janaky ny vahiny raike eo amin'ny tany iaho, Amalekita raike.''14Hoy i Davida tamin'ajy hoe: "Nahôna anao no tsy natahotre namono ny mpanjaka vôhositr'i Yaveh tamin'ny tagnanao mandy?" 15Nangaike ny raike tamin'ireo jalahy i Davida ary nijaka hoe: ''Mandehana ary vonoy ijy." Koa nandeha ijany lelahy ijany ary namely an'ajy, ka maty ilay Amalekita. 16Avy eo die nijaka tamin'ny fatin'ilay Amalekita i Davida hoe: "Eo amin'ny lohanao ny ranao satria ny vavanao mandy no vavolombelogna nanohitre anao hoe: 'Namono ny mpanjaka vôhosotr'i Yaveh iaho.'''17Avy eo die nihira itoy hira fisaognana momban'i Saoly sy Jonatana janagny lahy itoy i Davida. 18Nibeko ny vahôka ijy mba hampianatre an'ijany Hiran'ny Tsipika ijany an'ireo janake lahin'i Joda, ijay vôsoratre ao amin'ny Bokin'i Jasara. 19"Ny voninahitrao, ry Israely, die maty, vôvono teo amin'ny toerana avo! Endrey ny fahalavon'ilay mahere! 20Aja jakaina ao Gata ijany, aja ambara egne amin'ireo lalagn'i Askleona, mba tsy ho afake hifaly ireo janake vavin'ny Filistina, mba tsy hankalaja ireo janaka vavin'ny tsy vôfora.21 tetin'i Gilboa, tsy hisy ando sy oragna anie eo aminao, na haregnana magnome voa ho fanatitre, satria teo ny fiarovan'ilay mahery vôloto. Ny fiarovan'i Saoly die tsy vôhosotra amin'ny menake koa. Avy amin'ny ran'ireo ijay vôvono. 22Avy amin'ny fatin'ireo mahery, die tsy nipody ny tsipikan'i Jonatana, ary tsy niverim-poagna ny sabatr'i Saoly.23Saoly sy Jonatana die tiana sy mpamindra fo teo amin'ny fiaignana, ary tsy nosarahina areo tamin'ny fahafatesan'areo. natanjake noho ny liogna. 24Anareo ry janake vavin'Israely, mitagnia an'i Saoly, ijay hampitafy jaky sy firavake anareo, ary ijay nametake firavake volamena teo amin'ny akanjonareo.25Endrey ny fahalovan'ilay mahery teo agnivon'ny ady! Novonoina teo amin'ny toerana avo i Jonatana. 26Ory nohon'ny aminao iaho, ry Jonatana rahalahiko. Tena malala tamiko anao. Mahajendagna ny fitiavanao an'ahy, mihôtre noho ny fitiavanan'i ireo viav'ireo viavy. 27Endrey ny fahalavon'ilay mahery, sy ny fahalevonan'ireo fitôvam-piadian'ny ady!"
Chapter 2

1Tafaran'ijany die nagnotany an'i Yaveh i Davida ary nijaka hoe: ''Tokony hiakatre agny amin'ny raike amin'ireo tanànan'i Joda ve iaho? "Namaly an'ajy i Yaveh hoe: Miakàra.'' Hoy i Davide hoe: "Agny amin'ny tanàna aja no tokony halehako?" Die namaly Yaveh hoe:" Agny Hebrona. 2''Noho ijany die niakatre niarake tamin'ireo vadiny, roe i Davida, die i Ahinoama avy any Jezirelita, sy Abigaila avy agny Karmela, ilay mpitondrategna nabelan'i Nabala. 3Nitondra ireo olo ijay niarake tamin'ajy ijay samby nitondra ny fianakaviany aby, ho agny amin'ireo tanànan'i Hebrona, ijay nanomboke nonegnan-dreo i Davida.4vy eo tonga ireo lelahy avy agny Joda ary nagnosotre an'i Davida ho mpanjaka eo amin'ny ankohonan'i Joda. Hoy areo tamin'i Davida hoe: ''Ireo olon'i Jabesi-gileada no nandevigna an'i Saoly.''5 Noho ijany die nagnirake mpitondra hafatre ho any amin'ireo olon'i Jabesi-gileada i Davida ary nijaka tamin'dreo hoe: ''tahian'i Yaveh anareo, satria anareo die nampiboke ijany tsy fivadihana ijany tamin'i Saoly tomponareo sy nandevigna an'ajy.6Ankehitriny haneho fagnekem-pihavanagna tsy mivadike sy fahatokiana aminareo Yaveh. Iaho mandy koa die haneho ijany fahatsarana ijany aminareo satria nagnano ijany raha ijany anareo. 7Koa ankehitriny ary, ôke hatanjake ny tagnanareo; managna herim-po fa maty i Saoly tomponareo, ary ny fokon'i Joda nagnosotre an'ahy ho mpanjake eo amin-dreo.8Fa Abnera janake lahin'i Nera, mpifehy ny tafik'i Saoly, die nangala an'Isboseta janake lahin'i Saoly ary nitondra an'ajy tagny Mahanaima. 9Nagnano an'Isboseta ho mpanjakan'i Gileada, Asorita, Jezirela, Efraima, Benjamina, ary amin'Israely abiaby ijy.10Efapolo taogna Isboseta janake lahin'i Saoly no nanomboke nanjaka teo amin'Israely, ary nanjaka nandritra ny roa taogna ijy. Fa nagnaraka an'i davida ny fokon'i Joda. 11Fito taogna sy enim-bolagna ny fotoana najakan'i davida tao Hebrona.12Abnera janake lahin'i Nera, ary ireo mpanompon'Isboseta janake lahin'i Saoly, die niala tao Mahanaima ho agny Gibeona. 13Ary Joaba janake lahin'i Zeroia sy ireo mpanompon'i davida die nivôke ary nihaogna tamin-dreo teo amin'ny farihin'i Gibeona. tegny areo no nidoboke, ny vondrogna raike teo ankilan'ny farihy ary ny vondrogna raike teo an-dagniny.14Hoy Abnera tamin'ny Joaba hoe: ''Ôke hitsangagna sy hifagninana eo alohantsena ireo jalahy. '' Die hoy Joaba hoe: Ôke hitsagnagna areo.'' 15Die nitsangagna sy niara-niagnogna ireo jalahy, roe ambin'ny folo avy tamin'ny Benjamina sy Isboseta janak'i Saoly, ary roa ambin'ny folo avy tamin'ireo mpanompon'i Davida.16Ny lelahy kiraidraike die samby nisambotre ny mpifanandrigna tamin'ajy tamin'ny lohany sy nagnatsatoke ny sabany teo amin'ny andilagn'ny mpifanandrigna tamin'ajy, ary die niara-lavo areo. koa die nangehany tamin'ny jaka Hebreo hoe: ''helkata-Hazorima'' na Haregnan-tsabatre '' ijany toearana ijany, ijay any Gibeona.17 Tena mafy ny ady tamin'io andro io ary resy teo alohan'ireo mpanompon'i davida i Abnera sy ireo lelahin'i Israely.18Teo ireo janak'i Zeroia telo lahy: Joaba, sy Abisay, ary Asahela. Ny hongotr'i Asahela die malaky fandeha hôtran'ny gazela-dia. 19Ary Asahela nagnanjake akeky an'i Abnera sy nagnarake an'ajy tsy nivilivily tamin'ny lalagny abiaby.20Nijaha ny tao afarany Abnera ary nagnano hoe: ''Anao ve io ry Asahela?'' Namaly ijy hoe: Iaho itoy. '' 21Die hoy i Abnera tamin'ajy hoe: '' Mivilia agny ankavagnanao na ny ankavianao, ary manambora raike amin'ireo jalahy ka alay ny faladiany.'' Fa tsy nivily Asahela.22Die hoy indraike Abnera tamin'i Asahela hoe: ''Ajanogny ny fagnanjahana an'ahy. Nagnino iaho no tokony hamely anao amin'ny tany? Ataoko akory ny hagnatrike ny tarehin'i Joaba, rahalahinao?'' 23Fa tsy nagneky hivily i Asahela, ary die notrobaran'i Abnera ny antsin-defognany ny vatagny, ka nivoke avy tao an-damosigny ilay lefogna. nikarapoke ary maty teo Asahela. Koa ijay olo tonga teo amin'ilay toerana ijay nampiankarapoke sy nahafaty an'i Asahela, die nijanogna sy tsy nihetsike teo.24Fa nanjahin'i Joaba sy Abisay i Abnera. Laha nilentike ny masoandro, die tonga teo amin'ny tetin'i Ama, ijay akekin'i Gia eo amorogn'ny lalagna menga agny amin'ny efitr'i Gibeona areo. 25Niara-niangogna tao afaran'i abnera ireo lelahin'i Benjamina ary nitsangagna teo an-tampon'ilay tety.26y eo die nangaike an'i Joaba i Abnera ary nijaka hoe: ''Tsy mentsy handrapake mandrakijay ve ny sabatre? tsy fantatrao ve fa hafaike ijany agny amin'ny farany? Mandrapahovena anao vô hijaka ny olonao mba hitrehe tsy hagnanjake ny rahalahiny areo? 27Die namaly Joaba hoe: ''Laha mbola velogna koa Andriamanitra, laha tsy nijaka an'ijany anao, die ho nagnanjake ireo rahalahin-dreo mandra-maraigna ireo miaramilako!''28e nitsoke ny anjomara Joaba, ary nijanogna ny olony abiaby ka tsy nagnanjake ny Israely koa, na niady koa areo. 29Nandritre ijany aligna ijany die nandeha namakivaky an'i Arabà i Abnera sy ny olony. Nitsake an'i Jordana areo, nandeha nandritre ny ampitso maraigna tontolo, ary die tonga tao Mahanaima.30Nipody avy nagnajake an'i Abnera i Joaba. Nanangogna ny olony abiaby ijy, ka i Asahela sy miaramila sivy ambin'ny folo avy amin'i Davida no tsy teo. 31Fa ireo olon'i Davida die namono 360 lahy tamin'i olon'i Benjamina ijay niarake tamin'i Abnera. 32Avy eo die nalain-dreo i Asahela ary nalevigny tao amin'ny fasagn'i abany, ijay tao Betlehema. Ary Joaba sy ireo olony nandeha aligna tontolo, ary vao majava ratsy areo no tonga tao Hebrona.
Chapter 3

1Ary nisy ady lava reny teo amin'ny ankohonan'i Saoly sy ny ankohonan'i Davida. nihanahery fehijay i Davida, fa ny ankohonan'i Saoly koja die niha osa fehijay.2Namaitre jajalelahy tao Hebrona i Davida. Ny talagnolony die i Amnona, tamin'i Ahinoama avy agny Jezraela. 3Ny janagny lahy faharoe, die i Kileaba, nafaitr'i Abigaila, ilay mpitondrategna nabelan'i Nabala avy agny Karmela. Ny fahatelo, die i Absaloma, janake lahin'i Maka, janake vavin'i Talmay, mpanjakan'i Gesora.4Ny janake lahin'i Davida fahefatre, die i Adonia, janake lahin'i Hagita. Ny janake lahiny fahadimy die i Sefatia janake lahin'i Abitala, 5ary ny fahaenina die i Jitreama, janake lahin'i Egla vadin'i Davida. ireo janake lahy nafaitr'i Davida tao Hebrona.6Ary nandritre ny ady teo amin'ny ankohonan'i Saoly sy ny ankohonan'i Davida die niha-nahery tao an-tokantranon'i Saoly i Abnera. 7Saoly die nanagna vadintsindrano angehana hoe Rizpa, janake vavin'i Aia. Hoy Isboseta tamin'i Abnera hoe: ''Nagnino anao no niara-nandry tamin'ny vadintsindranon'iabako?''Ary die vignitre mafy tamin'ny jakan'Isboseta i Abnera ka nijaka hoe: ''Lohan'amboa ijay an'i Joda ve iaho? Niany iaho die maneho fahatokiana amin'ny ankohonan'i Saoly, rajambenao, amin'ireo rahalahiny, ary amin'ireo akamany, mba tsy hanolotre anareo eo an-tagnan'i Davida. Fa ankehitriny anao die miampanga an'ahy ny amin'ny fanôvan-dratsy mahakasika itoy viavy itoy?9Ho ataon'Andriamanitra amin'ahy anie ijany, ry Abnera, ary mihôtre aja laha tsy ataoko amin'i Davida arak'ijay nifantan'i Yaveh tamin'ajy, 10ny hamindra ny fanjakana avy amin'ny ankohonan'i Saoly sy hagnorina seja fiandrianan'i Davida eo amin'Israely sy eo amin'ny Joda, lahatagny Dana ka lahatagny Beri-sheba.'' 11Tsy nanagna jaka hafa havaly an'i Abnera koa i Isboseta, satria natahotre an'ajy ijy.12Avy eo die nandefa mpitondra hafatre nenga agny amin'i Davida i Abnera mba hiresake ho an'ajy magnano hoe: ''An'ija itoy tany itoy? Manôva fanekena amin'ahy, die ho hitanao fa homba anao ny tagnako, mba hitondra ny Israely abiaby ho eo aminao. 13''Namaly Davida hoe: ''Tsara ijany, hagnano fanekena aminao iaho. Kanefa ny raha raike takiko aminao, die ny tsy ahitanao ny tarehiko laha tsy indôsinao aloha i Mikala, janake vavin'i Saoly, laha tonga hijaha an'ahy anao.''14Avy eo i Davida nandefa mpitondra hafatre nenga agny amin'Isboseta, janaka lahin'i Saoly, nijaka hoe: ''Omeo an'ahy Mikala vadiko, ijay efa naloako vanga tamin'ny lohatsintsin'ny Filistina zato.15 ''Noho ijany Isboseta die nampangala an'i Mikala ka nangala an'ajy tamin'i Paltiela vadiny, janaka lahin'i Laisy. 16Nandeha niaraka tamin'ajy ny vadiny, nitagny tegne am-pandehanana, ary nagnarake an'ajy lahatagny Bahorima. Ary hoy Abnera tamin'ajy hoe: ''Mipodiana agny an-dragno ankehitriny. ''Ka niverigna ijy.17Nivoria tamin'ireo loholon'Israely i Abnera nijaka hoe: ''Taloha anareo niejaka ny hanagna an'i Davida ho mpanjaka eo aminareo. 18Ankehitriny atôvy ijany. fa Yaveh efa nijaka tamin'i Davida nijake hoe: 'Amin'ny tagnan'i Davida mpanompoko no hamonjeko ny Israely vahôkako amin'ny tagnan'ireo Filistina sy amin'ny tagnan'ireo fahavalon-dreo abiaby.'''19ria manokagna tamin'i Benjamina mandy koa i Abnera. Avy eo die nandeha mandy koa Abnera mba hivoria amin'i Davida ao Hebrona mba hagnajava ny raha abiaby ijay irian'Israely sy ny ankohonan'i Benjamina abiaby ho tanterahina. 20Laha tonga tao Hebrona mba hihaogna amin'i Davida i Abnera sy ny roapolo tamin'ireo lelahiny, die efa nagnomana fanasana ho an-dreo Davida.21Ary Abnera nagnajava tamin'i Davida hoe: ''Hitsangagna iaho ka hagnagogna ny Israely abiaby ho aminao, ry ilay mpanjaka tompoko, mba hahafahan-dreo magnano fanekena aminao, mba hahafahanao manjaka amin'ijay abiaby irinao.'' ka nandefa an'i Abnera i Davida, ary Abnera i Davida, ary Abnera niala tam-piadagnana.22Ka tonga avy agny am-panafihana ny miaramilan'i Davida sy Joaba ary nitondra babo rahabe niarake tamin-dreo. Kanefa Abnera die tsy niarake tamin'i Davida tagny Hebrona. Efa nandefa an'ajy Davida, ary niala tam-piadagnana Abnera. 23Laha tonga Joaba sy ireo tafike abiaby niarake tamin'ajy, die hoy areo tamin'i Joaba hoe: ''Tonga teto amin'ny mpanjaka i Abnera janak'i Nera, ary nalefan'ny mpanjaka ijy, ary niala tam-piadagnana i Abnera.''24Avy eo die tonga teo amin'ny mpanjaka i Joaba ka nijaka hoe: ''Ino no nataonao? Io, i Abnera efa tonga teto aminao! Nagnino no nalefanao ijy, ka lasa?25 Tsy fantatrao ve fa i Abnera janak'i Nera die tonga teto aminao sy mba hahafantatre ireo tetikao ary hamantatre ijay abiaby ataonao?'' 26Laha nandao an'i Davida i Joaba, die nagnirake mpitondra hafatre nagnaraka an'i Abnera ijy, ary nindôsin-dreo nipody avy agny amin'ny famorian-dranon'ny Siraha ijy, kanefa tsy fantatr'i Davida ijany.27Laha nipody ho agny Hebrona i Abnera, die nindosin'i Joaba nihataka kely teo agnivon'ny vavahady mba hivoria amin'ajy mangingigna ijy. Teo Joaba no nanindrogna an'ajy teo amin'ny troke ka nahafaty an'ajy. tamin'ijany fomba ijany, no namalian'i Joaba ny ran'i Asahela rahalahiny.28Laha naharegne ny momba ijany i Davida die hoy ijy hoe: '' Iaho sy ny fanjakako die tsy manan-tsiny mandrakijay eo ankatrehan'i Yaveh mahakasike ny ran'i Abnera janak'i Nera.29 Ôke ny heloke ny amin'ny fahafatesan'i Abnera hilatsake amin'ny lohan'i Joaba sy ny ankohonan'iabany abiaby. Tsy ho afaka amin'ny fianakavian'i Joaba anie ny olo ijay mitsi-dra na ny aretin-koditre na ijay mandringa ka tsy mentsy mamindra amin'ny tehigna na ijay lavon-tsabatre na ireo tsy manan-kohanina. '' 30Hôtran'ijany no namonoan'i Joaba sy Abisay rahalahiny an'i Abnera, satria namono an'i Asahela rahalahin-dreo tagny an'ady tao Gibeona ijy.31Hoy Davida tamin'i Joaba sy ireo olo abiaby niarake tamin'ajy hoe: '' Rovito ny sikignareo, manôva sikigna fisaognana, ary manôva fisaognana alohan'ny fatin'i Abnera. ''Ary Davida mpanjaka die nandeha tao afaran'ny faty tamin'ny dingan'ny fandevegnana.32 Nalevin-dreo tao Hebrona i Abnera. Nitagny sy nihiake mahare teo amin'ny fasagn'i Abnera ny mpanjaka, ary nitagny mandy koa ny olo abiaby.33Nisaogna an'i Abnera ny mpanjaka ka nihira hoe: ''Tokony ho faty hôtrany fahafatesan'ny môla ve Abnera?34 Tsy nifihejina ny tagnanao. Tsy nasiana rojo vy ny hongotrao. fa hôtrany ny fahalavon'ny olo teo alohan'ireo janaky ny tsy fahamarinana, no nahalavo anao. ''Ary mbola nitagny an'ajy indraike ny olo abiaby.35tonga nampihinagna an'i Davida ny olo abiaby laha mbola atoandro ny andro, fa Davida nifanta hoe: ''hataon'Andriamanitra amin'ahy anie ijany, ary mihôtre aja, laha magnandragna mofo iaho na raha hafa alohan'ny hilentehan'ny masoandro.'' 36Tsikaritry ny olo abiaby ny alahelon'i Davida, ary nankasitrahan-dreo ijany, arake ny fankasitrahany ijay abiaby nataon'ny mpanjaka.37Koa takatry ny olo sy ny Israely abiaby tamin'ijany andro ijay andro ijay fa tsy fagnirian'ny mpanjaka ny hamono an'i Abnera janake lahin'i Nera. 38Hoy ny mpanjaka tamin'ireo mpanompony hoe: '' Tsy fantatrareo ve fa andriana sy olo lehibe no lavo agny Israely androany? Fa osa iaho ankehitriny, na die mpanjaka39 vôhosotra aja iaho. ireo lelahy ireo, ireo janake lahin'i Zeroia, die nahery setra lôtre tamin'ahy. Hamaly ny mpagnano ratsy anie Yaveh amin'ny fagnasajiana an'ajy ny amin'ny faharatsiany, arak'ijay mendrika an'ajy. ''
Chapter 4

1Laha regnin'Isboseta, janaka lahin'i Saoly, fa maty tagny Hebrona i Abnera, die lasa nalemy ny tanany, ary nikorontagna Israely abiaby. 2Ary ny janake lahin'i Saoly die nanagna roalahy ijay kapiten'ireo vondron'ireo miaramila. Ny agnaran'ny raike die Bana ary ilay raike hafa koja die i Rekeba, janake lahin'i Rimona ilay Berotita avy amin'ny vahôkan'i Benjamina(satria Berota mandy koa die noresina ho isan'i Benjamina, 3ary ireo Berotita nitsôke tagny Gitaima ka nidoboke tagny hatramin'ijao fotôgna ijao)4Ary Jonatana, janake lahin'i Saoly, die nanagna janake lahy ijay nalemy ny hongony. Dimy taogna ijy laha tonga tao Jezirela ny vaovao momban'i Saoly sy Jonatana. Nindosin'ilay mpiteja an'ajy mba hilefa ijy. Kanefa laha nihajakajake igny ijy die lavo ny janak'i Jonatana ary lasa nalemy. Mefiboseta no agnarany5Noho ijany ireo janake lahin'i Rimona ilay Berotita, i Rekaba sy Bana, die lasa nandeha nandritre ny hafanan'ny andro nenga agny amin'ny tragnon'i Isboseta, tamin'ijy niala sasatre tamin'ny atoandro . 6Resi-tory ilay viavy mpiandry varangaragna laha nanivagna vary, ary Rekaba sy Bana nandeha am-pahangignana sy nandalo an'ajy. 7Koa laha niditre tao amin'ilay tragno areo, die nanafike an'ajy ka namono an'ajy laha nandry teo am-pandriany tao amin'ny efitragnony ijy. Avy eo notapahan-dreo ny lohany ary nindôsiny ijany, ary nandeha tegny amin'ny lalagna nandritre ny aligna tontolo nenga agny amin'ilay Araba.8Nindôsin-dreo tagny amin'i Davida tao Hebrona ny lohan'Isboseta, ary hoy areo tamin'ny mpanjaka hoe : '' Io, itoy ny lohan'i Isboseta janake lahin'i Saoly, fahavalonao, ijay nagnampoko ny aignao. Ankehitriny Yaveh die namaly faty ny mpanjaka tamin'i Saoly sy ireo taranagny.'' 9Ary Davida namaly an'i Rekaba sy Bana rahalahiny, ireo janake lahin'i Rimona ilay Berotita; hoy ijy tamin-dreo hoe: ''laha mbola velogna koa Yaveh, ijay nagnafake ny aignako tamin'ny korotagna abiaby,10 laha nisy olo nijaka tamin'ahy hoe : 'Io, maty Saoly, ' mieritreritre fa mitondra vaovao tsara ijy, die nosamboriko ijy ary novonoiko tagny Ziklaga. ijany no valisoa nomeko an'ajy nohon'ny vaovaony.11Hindrakindrake fa, laha nisy lelahy namono olo tsy manan-tsiny tao amin'ny tragnony manokagna teo amin'ny fandriany, die tsy tokony hangatake ny rany eo an-tagnanareo ve iaho, ary mangala anareo eto an-tany?'' 12Avy eo Davida nagnome beko an'ireo jalahy, ary namono an-dreo areo ka nanapake ny loha sy ny hongo-dreo ary nagnatogna an-dreo teo akekin'ny kamory tao Hebrona. Fa nalain-dreo ny lohan'Isboseta ary nalevigny tao amin'ny fasan'i Abnera tao Hebrona ijany.
Chapter 5

1Avy eo ny fokon'Israely abiaby nenga agny amin'i Davida tagny Hebrona ary nijaka hoe: ''Io, nofo sy tôlagna ahay. 2Vao tsy ela akory, tamin'ny nanjake teo amintsena i Saoly, die anao no nitarika ny tafike Israelita. Yaveh nijaka tamonao hoe: 'Hiandry an'Israely vahôkako anao, ary ho lasa mpanapake eo amin'Israely.'''3Koa tonga tagny amin'ilay mpanjaka tagny Hebrona ireo loholon'Israely abiaby, ary Davida Mpanjaka nagnano fanekena tamin-dreo teo ankatrehan'i Yaveh. 4Nagnosotre an'i Davida ho mpanjaka teo amin'Israely areo.Telopolo taogna i Davida no nanomboke nanjaka, ary nanjaka nandritre ny efapolo taogna ijy.5 tagny Hebrona die nanjaka teo amin'i Joda nandritre ny fito taogna sy enimbolagna ijy, ary tagny Jerosalema die nanjaka nandritre ny telo amby telopolo taogna teo amin'Israely sy Joda abiaby ijy.6Nandeha tagny Jerosalema ny mpanjaka sy ireo olony mba hanohitre ireo Jebosita, ireo mponin'ilay tany. Hoy areo tamin'ny Davida hoe: ''Tsy ho avy eto anao laha tsy ny jamba sy ny mandringa no hagnapody anao. tsy afake ny ho tonga eto Davida. '' 7Na die ijany aja, die nambabo ny fiarovana mafin'i Ziona, ijay tanànan'i Davida ankehitriny i Davida.8Tamin'ijany fotôgna ijany i Davida nijaka: ''Ireo ijay manafike ny Jebosita die tsy mentsy handalo amin'ny lalan-drano mba hihajo ny 'mandringa sy ny jamba' ijay fahavalon'i Davida. ''Ijany no ijakan'ny olo hoe: '' Ny jamba sy ny mandringa' die tsy mahajo miditre ny lapa.'' 9Koa nonigna tao amin'ilay fiarovana mafy Davida ary nangaike ijany hoe ilay tanànan'i Davida. nohamafisina ny magnodidina an'ijany, avy egny amin'ny lavarangagna menga agny agnatiny. 10Lasa natanjake be Davida satria Yaveh, ilay Andriamanitry ny maro, no hiarake tamin'ajy.11Avy eo Hirama mpanjakan'i tyra nagnirake mpitondra hafatre, sy hajo sedera, mpandrafitre, ary mpagnambotre tragno tagny amin'i Davida. Nagnambôtre tragno ho an'i Davida areo. 12Fantatr'i Davida fa efa nametrake an'ajy ho mpanjakan'israely i Yaveh, ary efa nanandratre ny fanjakany nohon'ny amin'Israely vahôkany Ijy.13Avy eo Davida niala tao Hebrona ary nandeha tagny Jerosalema, nangala vadintsindrano sy vady maromaro tagny Jerosalema ijy, ary nisy janake lahy maro sy janake vavy maro nafaitrany. 14Ito aby ny agnaran'ireo janake nafaitrany tagny Jerosalema: Samoa, Sobaba, Natana, Solomona, 15Jibara, Elisoa, Nafega, Jafia,16 Elisama, Eliada, ary Elifata.17Ary laha regn'ireo Filistina fa efa vôhosotre ho mpanjakan'Israely i Davida, die nivôke ijy abiaby mba hitady an'ajy. Nefa naharegne momba ijany Davida die nandeha nijotso tagny amin'ny fiarovana mafy. 18Ary die tonga ireo Filistina ka niparitake tagny an-Dohasahan'i Refaima.19Die nitady vonjy tamin'i Yaveh i Davida. Hoy ijy hoe: ''Tokony hanafike ireo Filistina ve iaho? Hagnome fandresena amin-dreo ve Anao?'' Hoy Yaveh tamin'i Davida hoe: ''Manafiha, fa hanome fandresena ho anareo eo amin'ireo Filistina tokôtre Iaho.'' 20Koa nanafika tao Bala-Perazima i Davida, ary tao no nandreseny an-dreo. Naneho hevitre ijy hoe: ''Nisafôke tamin'ireo fahavaloko teo ankatrehako hôtrany ny fisafôkan'ny safo-drano i Yaveh''. Koa lasa Bala-Perazima ny agnaran'ijany toerana ijany.21 Nabelan'ireo Filistina teo ny sampin-dreo, ary nindôsin'i Davida sy ireo lelahiny lavitre ireo.22Avy eo die niakatre indraike ireo Filistina ary niparitake fanindroany tegne an-dohasahan'i Refaima. 23Koa die nandrembe vonjy tamin'i Yaveh indraike Davida, ary hoy Yaveh tamin'ajy hoe: ''Aja manafike ny alohan-dreo anao, fa hodidigno avy ao afarany areo ary magnatogna an-dreo avy eo amin'ireo hajo balsama.24Laha naharegne ny feon-diabe egny amin'ny rivotre mitsoke avy eo an-tampogn'ny hajo balsama anao, die ôke hanafike amin-kery. Atôvy ijany satria hivôke mialoha anareo mba hanafike ny tafik'ireo Filistina i Yaveh.'' 25Koa die nagnano arak'ijay nandidian'i Yaveh an'ajy i Davida. Novonoina nanomboke tagny Geba ka lahatagny amin'ny lalagna abiaby menga agny Gezera ireo Filistina.
Chapter 6

1ry die nangonin'i Davida niarake indraike ny lelahin'Israely vôfidy abiaby telo aligna. 2Nenga i Davida ary nandeha niarake tamin'ireo lelahiny abiaby ijay niarake tamin'ajy nanomboke tagny Bala agny Joda mba hilanja ny fiaran'Andriamanitra, ijay angehana amin'ny agnarana hoe Yaveh tompon'ny maro, ijay midoboke am-piandriagnana eo ambony Kerobima avy agny.3Nadobokan-dreo teo ambony kalesy vaoavo ny fiaran'Andriamanitra. Navôkan-dreo tao amin'ny tragnon'i Abinadaba, ijay teo amin'ny tety raike ijany. Oza sy Ahio, janagny lahy, no nitari-dalagna ilay kalesy vaovao.4 Navôkan-dreo tao an-dragnon'i Abinadaba teo amin'ny tety ilay kalesy sy ny fiaran'Andriamanitra teo amboniny.Ahio no nandeha teo alohan' ilay fiara. 5Avy eo Davida sy ny ankohonan'Israely abiaby nanomboke nitsinjake teo ankatrehan'i Yaveh, nankalaza tamin'ny raha magneno vita tamin'ny hajo, lokanga, vadihagna, ampongatapaka, korintsagna ary kipantsogna.6aha tonga teo amin'ny famiham-barin'i Nakona areo, die lavo ny aomby, ary Oza nagnampatre ny tagnany mba hisarike ilay fiaran'Andriamanitra, ka nitajogna an'ijany ijy. 7Die nirehitre tamin'i Oza ny havigniran'i Yaveh. Namely an'ajy teo nohon'ny fahotany Andriamanitra.Maty teo akekin'ny fiaran'Andriamanitra i Oza.8Vignitre i Davida satria namely an'i Oza i Yaveh, ary nataony hoe Perez-oza ny agnaran'ijany toerana ijany. Ijany toerana ijany die angehana hoe Perez-oza mandrak'androany. 9Natahotre an'i Yaveh i Davida tamin'ijany andro ijany. Hoy ijy hoe: ''Ahôna no hihavian'ny fiaran'i Yaveh atoy amin'ahy.10Koa tsy nagniry ny hitondra ny fiaran'Andriamanitra niarake tamin'ajy ho ao amin'ny tanànan'i Davida ijy. Fa koja, nampiriminy tao an-dragnon'i Obed-edoma ilay Gitita ijany. 11Nijanogna tao an-dragnon'i Obed-edoma ilay Gitita nandritre ny telo volagna ny fiaran'i Yaveh. Noho ijany die notahian'i Yaveh ijy sy ny ankohonany abiaby.12Ary nijakaina tamin'i Davida Mpanjaka hoe: Efa nitahy ny tragnon'i Obed-edoma sy ny raha abiaby ijay an'ajy i Yaveh noho ilay fiaran'Andriamanitra.'' Noho ijany die nandeha i Davida ary nitondra ilay fiaran'Andriamanitra niakatre avy tao an-dragnon'i Obed-edoma tam-piravoaravoana ho agny amin'ny tanànan'i Davida. 13Laha namindra inenina ireo nilanja ny fiaran'Andriamanitra, die nagnano sorogna aomby raike sy janak'aomby mifahe ijy.14Nandihy teo ankatrehan'i Yaveh tamin'ny heriny abiaby i Davida; efoda rongony fotsy madinike mandy no nanôvany. 15Noho ijany die nindosin'i Davida sy ny ankohonan'Israely abiaby niakatre niarake tamin'ny horakorake sy ny feon'anjomara ny fiaran'i Yaveh.16Ary laha tonga tao an-tanànan'i Davida ny fiaran'i Yaveh, die nijaha teo an-koke i Mikala, janake vavin'i Saoly. Nahita an'i Davida Mpanjaka nitsambikimbikigna sy nandihy teo ankatrehan'i Yaveh ijy. Avy eo die nagnano tsinontsinogna an'ajy tao am-pony ijy. 17Nampidirin-dreo ilay fiaran'i Yaveh ary napetragny teo amin'ny toeragny ijany, teo agnivon'ny lay ijay efa namboarin'i Davida ho an'ijany. Avy eo Davida nanolotre fanatitre orôna sy fanati-pihavanagna teo ankatrehan'i Yaveh.18Laha vitan'i Davida ny fanatitra orôna sy ny fanati-pihavanagna, die nitso-drano ny vahôka tamin'ny agnaran'i Yaveh tompon'ny maro ijy. 19Ka die nijara mofo, teti-kena, ary mofomamy misy vôloboke tamin'ny vahôka abiaby, ny Israely manontolo, tamin'ny lelahy sy ny viavy ijy. Die lasa ny olo abiaby; samby nipody tagny an-dragnony aby.20Die nipody mba hitso-drano ny ankohonany i Davida. Mikala, ilay janake vavin'i Saoly, die nivôke mba hitsena an'i Davida ary nijaka hoe: '' Endrey ny voninahitry ny mpanjakan'Israely ankehitriny, ijay nagnary ny sikignany teo imason'ireo andevo vavy agnisan'ireo mpanompony, hôtrany raike amin'ireo mpijaka ratsy ijay lany hegnatre magnary ny sikignany!''21Davida namaly an'i Mikala hoe: ''Nataoko teo ankatrehan'i Yaveh ijany ijay nifidy an'ahy ho ambonin'iabanao sy ho ambonin'ny ankohonany abiaby, ijay nanendry an'ahy ho mpitarike eo amin'ny vahôkan'i Yaveh, eo amin'Israely. eo ankatrehan'i Yaveh no hiravoravoako!22 Mbola tsy ho mendri-kaja noho ijany iaho, ary ho afa-barake eo imasoko mandy iaho. Kanefa amin'ny alalan'ireo andevo vavy ijay nivorianinao ireo, no hagnomejam-boninahitre an'ahy.'' 23Noho ijany i Mikala, janake vavin'i Saoly, die tsy nanagn'anake lahatamin'ny andro nahafatesany.
Chapter 7

1Laha nipetrake tao an-dragnony ny mpanjaka, ary laha nagnome fitrihena an'ajy tamin'ireo fahavalony magnodidigna an'ajy i Yaveh, 2die hoy ny mpanjaka tamin'i Natana mpaminany hoe: ''Io, midoboke amin'ny tragno sedera iaho, fa ny fiaran'Andriamanitra koja mijanogna ao agnivon'ny lay.''3Die hoy i Natana tamin'ny mpanjaka hoe: ''Mandehana atôvy ijay ao am-ponao, fa homba anao Yaveh.'' 4Kanefa tamin'io aligna io mandy die tonga tamin'i Natana ny jakan'i Yaveh, ary nagnano hoe: 5''Mandehana ary jakao Davida mpanompoko hoe: 'Ijao no ambaran'i Yaveh: Hagnambôtre tragno hidobohana ho an'Ahy ve anao?6a tsy nioetre tao an-dragnoko Iaho lahatamin'ny andro ijay nitondrako ny vahôkan'Israely niakatre avy tao Egypta lahatamin'ijao andro ankehitriny ijao; fa koja, nifindrafindra lay iaho, die ny tabernakely. 7Tagny amin'ny toerana abiaby ijay nifindrako niarake tamin'ny vahôkan'Israely abiaby, moa nilaja n'ino n'ino tamin'ireo mpitarik'Israely ijay notondroiko hiandry ny Israely vahôkako ve Iaho, nagnano hoe: ''Nahôna anareo no tsy nagnambôtre tragno sedera ho an'Ahy?'''8Koa ankehitriny ary, Jakao i Davida mpanompoko hoe: ''Ijao no ambaran'i Yaveh tompon'ny maro: 'Nalaiko avy tegne amin'ny haregnana anao, tamin'ny fagnarahana ireo ondry, mba ho mpanapake an'Israely vahôkako anao.9 Niarake taminao fehijay Iaho na taja na taja nombanao. Nalaiko teo alohanao aby koa ny fahavalonao abiaby. Ankehitriny hataoko lehibe ny anaragnao, hôtrany agnaran'ireo lehibe teto an-tany.10Hisafidy toerana raike ho an'Israely vahôkako Iaho ary hamboly an'ajy areo agny, mba hiaigna ao amin'ny toeran-dreo manokagna areo ary tsy vôkorontagna koa. Tsy hampijaly an-dreo koa ny olo ratsy fagnahy, hôtran'ny nataon-dreo teo aloha, 11hôtrany nataon-dreo lahatamin'ny andro nandidiako ireo mpitsara mba hanapaka an'Israely vahôkako abiaby. Ankehitriny Iaho die hagnome fitrihena anao amin'ny fahavalonao. Fagnampin'ijany, Yaveh die magnambara aminao fa hagnano tragno ho anao Iaho.12Laha tapitre ny andronao ary hodimandry miarake amin'ireo rajambenao anao, die hanangagna taranaka handimby anao Iaho, ijay ho avy amin'ny vatagnao, ary hampitoeriko ny fanjakany. 13Hagnambôtre tragno ho an'ny agnarako ijy, ary hametrake ny seja fiandrianan'ny fanjakany mandrakijay Iaho. 14Ho Iabany Iaho, ary ijy ho janako. Laha manota ijy, die hagnanatre an'ajy amin'ny tsorakajon'ny olo sy amin'ny fikapohana ny janak'olo Iaho.15Fa tsy fahatokiko fa tsy handao an'ajy, laha nalaiko tamin'i Saoly ijany, ijay nalaiko talohanao. 16Ny tragnonao sy ny fanjakanao die ho ajo antoke mandrakijay eo ankatrehanao. Hitoetra mandrakijay ny seja fiandriagnanao.''' 17Die nivoria tamin'i Davida i Natana ary nitatitre tamin'ajy ireo jaka abiaby ireo ary nojakainy tamin'ajy ny momban'ilay fahitana raike manontolo.18Die Niditre Davida Mpanjaka ary nidoboke alohan'i Yaveh ka nanagnano hoe: ''Ija Iaho, ry Yaveh Andriamanitra, ary ino ny fianakaviako no nindôsinao ho amin'ijao tanjogna ijao iaho? 19Ary raha kely eo imasonao ijany, ry Tompo Yaveh. nivoria momba ny fianakavian'ny mpanomponao ny amin'ijay lehibe ho avy anao, ary nampibôke fara-mandimby tamin'ahy, ry Tompo Yaveh! 20Ino no mbola ajoko, Iaho Davida, jakaina aminao? Nagnome voninahitre ny mpanomponao anao, ry Tompo Yaveh.21Nohon'ny amin'ny jakanao, sy mba hagnantanterake ny tanjognao manokagna, die nagnano ijao raha lehibe ijao Anao ary naneho an'ijany tamin'ny mpanomponao. 22Noho ijany die lehibe Anao, ry Tompo Yaveh, satria tsy misy hôtran'Anao, ary tsy misy Andriamanitra hafa ankôtra Anao, arake ijay regnin'ny sofignay mandy?23 Ino no firenena hôtran'Israely vahôkanao, ilay firenena eto an-tany ijay, nalehanao Andriamanitra sy novonjenao ho an'ny tegnanao? Nataonao ijao mba ho tonga vahôka ho Anao areo, mba hagnano agnarana ho an'ny tegnanao, ary mba hanao asa lehibe sy mampatahotre ho an'ny taninao. Nandrôke ireo firenena sy ireo andriamanitran-dreo teo alohan'ny vahôkanao, ijay novonjenao avy tao Egypta Anao.24Napetrakao hôtran'ny vahôkanao manokagna mandrakijay Israely, ary Anao, ry Yaveh, die tonga Andriamanitran-dreo.25 Koa ankehitriny, ry Yaveh Andriamanitra, enga anie ho apetrake mandrakijay ny fampagnantegnana ijay nataonao mahakasike ny mpanomponao sy ny fianakaviany. Atôvy arak'ijay nojakainao.26 Ho lehibe mandrakijay anie ny agnaranao, ka hijaka ny vahôka hoe: 'Yaveh tompon'ny maro no Andriamanitr'Israely, ' laha adoboke ankatrehanao, ny tragnoko, Davida mpanomponao.27Satria Anao, Yaveh tompon'ny maro, ilay Andriamanitr'Israely, no nagnambara tamin'ny mpanomponao fa hanangagna tragno ho an'ajy Anao. Ijany no antony, nahitako, iaho mpanomponao, faharisihana hivavake Aminao. 28Ankehitriny ry Tompo Yaveh, die Andriamanitra Anao, ary mendri-pitokisana ny jakanao, ary nagnano io fampagnantenana tsara io tamin'ny mpanomponao Anao. 29Koa ankehitriny ary, ôke hahafaly Anao ny hitahy ny tragnon'ny mpanomponao, mba hitohy eo alohanao mandrakijay ijany. Satria Anao, ry Tompo Yaveh, no nijaka ireo raha ireo, ary tamin'ny tso-dranonao no nitahiana mandrakijay ny tragnon'ny mpanomponao.
Chapter 8

1Tafaran'ijany die nanafike ireo Filistina i Davida ka nandresy an-dreo. Noho ijany die nalain'i Davida tsy ho eo amin'ny fifehejan'ireo Filistina i Gata sy ireo jana-bohiny.2Die nandresy ny Moabita ijy ka nandrefy ny olon-dreo tamin'ny tsipika tamin'ny fampandriana an-dreo teo amin'ny tany. Nandrefe indroan'ny tsipika ijy mba hamonoana, ary indraike mandeha mandy mba hitajognana ho velogna. Ka die lasa mpanompon'i Davida ireo Moabita ary nanomboke nandoa hetre tamin'ajy.3Koa die resin'i Davida i Hadadezera janak'i Rehoba, ilay mpanjakan'i Zoba, laha lasa nampody ny fanjakany teo amorogn'ny Ony Eofrata i Hedadezera.4 Nambambo kalesy 1.700 sy miaramila an-kongotre roa aligna avy tamin'ajy i Davida. Notraingoin'i Davida aby koa ny kalesin-tsôvaly abiaby, fa nanokagna ijay tokony ho ampy ny kalesy jato tamin-dreo ijy.5Laha tonga hagnampy an'i Hadadezera mpanjakan'i Zoba ny Syriana avy agny Damaskosy, die nahafaty lelahy Syriana roe arivo sy roa aligna i Davida.6 Avy eo i Davida nametrake miaramila tagny Syria agny Damaskosy, ary lasa mpanompony ka nandoa hetre tamin'ajy ny Syriana. nampandresy an'i Davida tegne amin'ijay abiaby nombany i Yaveh.7ie nalain'i Davida ny ampinga volamena ijay tagny amin'ny mpanompon'i Hedadezera ka nindôsiny tagny Jerosalema ireo. 8Avy eo Davida mpanjaka die nangala varahigna rahabe die rahabe avy tao Beta sy Berotahy, tanànan'i Hedadezera.9ha regnin'i Toy, mpanjakan'i Hamata, fa nandresy ny tafik'i Hadadezera abiaby i Davida, 10die nirahin'i Toy ho agny amin'i Davida mpanjaka i Jorama janagny mba hiarahaba an'ajy sy hitso-drano an'ajy, satria Davida niady tamin'i Hadadezera ka nandresy an'ajy ary satria Hadadezera die niady tamin'i Toy. Gorama die nitondra raha vita tamin'ny volafotsy, volamena ary varahigna niarake tamin'ajy.11Davida mpanjaka die nanokagna ireo raha ireo ho an'i Yaveh, niaraka tamin'ny volafotsy sy volamenan'ireo firenena abiaby ijay resiny- 12avy tamin'i Syria, Moaba, ireo olon'i Amona, ireo Filistina, sy ny Amalekita, niarake tamin'ireo entagna abiaby vôroba tamin'i Hadadezera janak'i Rehoba, mpanjakan'i Zoba.13nta-daja ny agnaran'i Davida laha avy nambambo ny Syriana tagny amin'ny lohasahan-tsira, niarake tamin'ireo lelahy valo arivo sy iray alignan-dreo.14 Nametrahany miaramila magnerana an'i Edoma abiaby, ary ny Edomita abiaby die tonga mpanompony. Ary Yaveh nampandresy an'i Davida tegne amin'ijay abiaby nombany.15Nanjaka teo amin'Israely abiaby i Davida, ary nitondra ny rariny sy ny fahamarinana tamin'ny olony abiaby ijy.16 Joaba janak'i Zeroia no mpifehy ny tafika, ary Josafata janak'i Ahiloda no mpirakitra. 17Zadoka janak'i Ahitoba sy Ahimeleka janak'i Abiatara no mpisorogna, ary Seraia no mpanora-dalàna. 18Benaia janak'i Joiada no niandraikitre ireo Heretita sy ireo Paletita, ary ireo janak'i Davida no mpanolotsaign'ny mpanjaka.
Chapter 9

1oy i Davida hoe: Misy olo tafajanogna ijay ajoko anehoagna hatsaram-pagnahy nohon'ny amin'i Jonatana ve ao amin'ny fianakavian'i Saoly? 2Nisy mpanompo raike angehana hoe : Ziba tao amin'ny fianakavian'i Saoly, ary nangaike an'ajy ho agny amin'i Davida areo. Hoy ny mpanjaka tamin'ajy hoe: ''Anao ve no Ziba? '' Die namaly ijy hoe: ''Eke, mpanomponao iaho.''3Ka hoy ny mpanjaka hoe: ''Tsy misy olo tavela ijay ajoko anehoana ny hatsaram-panahin'Andriamanitra ve avy ao amin'ny fianakavian'i Saoly?'' Namaly ny mpanjaka i Ziba hoe: ''Jonatana die mbola manan-janake lahy, ijay malemy hongotre. '' 4Hoy ny mpanjaka tamin'ajy hoe: ''Aja ijy '' Die namaly ny mpanjaka i Ziba hoe: ''Io, ao an-dragnon'i Makira janake lahin'i Amiela agny Lo-debara ijy.''5Avy eo i Davida mpanjaka nagnirake an'ajy sy nampamôke an'ajy tao an-dragnon'i Makira janake lahin'i Amiela avy agny Lo-debara. 6Noho ijany Mefiboseta janak'i Jonatana janake lahin'i Saoly, die nenga eo amin'i Davida ary nampiankohoke ny tarehiny teo amin'ny tany ho voninahitr'i Davida. Hoy i Davida hoe: ''Mefiboseta.'' Die namaly ijy hoe: ''Io, mpanomponao iaho!''7oy i Davida tamin'ajy hoe: ''Aja angoaigna, fa haneho hatsaram-pagnahy aminao ho an'i Jonatana nohon'ny amin'ny abanao tokôtre iaho, ary hagnapody aminao ny tanin'i Saoly iababenao abiaby iaho, ary hihinagna eo an-databatro fehijay anao.'' 8Niankohoke i Mefiboseta ary nagnano hoe: ''Ino itoy mpanomponao, no tokony hijaha amin-tsitrake amboa maty hôtran'ahy anao?''9Avy eo ny mpanjaka die nampangaike an'i Ziba, mpanompon'i Saoly, ary nagnano tamin'ajy hoe: ''Ijay an'i Saoly sy ny fianakaviany abiaby die nomeko ny jafin'i tomponao. 10Anao, ireo janakao lahy, ary ireo mpanomponao die tsy mentsy miasa ny tany ho an'ajy ary tsy mentsy mambely ny vokatre anao mba hanagnan'ny jafin'ny tomponao hanigna ho hanigna. Fa i Mefiboseta, jafin'ny tomponao, die tsy mentsy hihinagna fehijay eo an-databatro. ''Ary Ziba die nanan-janake lahy dimy ambin'ny folo sy mpanompo roapolo.11Avy eo Ziba nijaka tamin'ny mpanjaka hoe: ''Ho ataon'ny mpanomponao ijay abiaby andidian'ilay mpanjaka tompoko ny mpanompony.'' die nampian'ny mpanjaka hoe: 12''Laha ny amin'i Mefiboseta die hihinagna eto an-databatro ijy, hôtrany raike amin'ireo janaka lahin'ny mpanjaka.'' Nanan-janake lahy tanora angehana hoe Mika i Mefiboseta. Ny abiaby ijay midoboke tao an-dragnon'i Ziba die mpanompon'i Mefiboseta aby koa. 13Koa die nidoboke tagny Jerosalema i Mefiboseta, ary nihinagna teo an-databatry ny mpanjaka mandrakariva ijy, na die nalemy aja ny hongony roa.
Chapter 10

1Tatoy afara die maty ny mpanjakan'ny vahôkan'i Amona, ary lasa mpanjaka teo amin'ny toerany i Hanona janagny lahy.2 Hoy i Davida hoe: ''Hagnano soa amin'i Hanona janak'i Nahasy iaho, hôtrany nanôvan'ny iabany tsara tamin'ahy.'' Koa die nandefa ireo mpanompony hampahery an'i Hanona mahakasika ny abany i Davida. Niditra tao amin'ny tanin'ny vahôkan'i Amona ireo mpanompony. 3Kanefa hoy ireo mpitarike ny vahôkan'i Amona tamin'i Hanona tompon-dreo hoe: ''Mihevitre tokôtre ve anao fa hagnome voninahitre ny abanao i Davida satria nandefa ireo mpanompony hampahery anao ijy? Tsy efa nandefa ireo mpanompony taminao ve i Davida mba hijaha ny tanàna, hitsikilo ijany, mba handrava an'ijany?4Koa nosamborin'i Hanona ireo mpanompon'i Davida, noharatany ny antsasaky ny volombavan-dreo, notapahiny lahategny am-poto-pe ny sikignan-dreo, ary noroahiny. 5Laha nagnajava an'ijany tamin'i Davida areo, die nandefa olo hitsena an-dreo ijy, satria afa-barake tanterake ireo lelahy. Hoy ny mpanjaka hoe: ''Mitoera ao Jeriko mandra-panirin'ny volombavanareo indraike, ary mipodiana avy eo.''6Laha hitan'ny vahôkan'i Amona fa lasa mangidy hoditre amin'i Davida areo, die nandefa mpitondra hafatre ny vahôkan'i Amona ary nagnarama ireo Syriana avy ao Beti-rehobe sy Zoba, miaramila nandeha an-kongotre roa aligna, sy lelahy arivo tamin'ny mpanjakan'i Maka, ary lelahy roa arivo sy iray aligna tamin'ireo olon'i Toba.7 Laha naharegne an'ijany i Davida, die nandefa an'i Joaba sy ny tafike miaramila abiaby ijy. 8Tonga ireo Amonita ary nilahatre hiady teo amin'ny fidirana teo amin'ny vavahadin'ny tanànan-dreo, laha mbola nitsangagna amin'ny haregnana malalake ireo Syriana avy agny Zoba sy Rehoba, ary ireo olo avy agny Toba sy Maka.9Laha nahita ireo fahavalo teo alohany sy tao afarany i Joaba, die nisafidy ny saragny tamin'ireo ijay mahay miady indrindrake ijy ary nandamigna an-dreo hiady amin'ireo Syriana. 10Laha ny amin'ireo tafika sisa tabela, die notolorany ho baikoan'i Abisay rahalahiny, ka nalahiny hiady amin'ny tafik'i Amona areo.11Hoy i Joaba hoe: ''Laha mafy lôtre ho an'ahy ireo Syriana, die anao, Abisay, no tsy mentsy magnavotre an'ahy. Fa laha mafy lôtre ho anareo ny tafik'i Amona, die ho avy iaho hagnavotre anareo. 12Mahereja, ary andao antsena haneho ny tanjantsena ho an'ny vahôkantsena sy ireo tanànan'ny Andriamanintsena, satria i Yaveh die hagnano ijay tsara ho an'ny tanjony.''13Koa nandroso i Joaba sy ireo miaramila tao amin'ny tafiny mba hiady hanohitre ireo Syriana, ijay vôtery nitsôke teo ankatrehan'ny tafik'Israely. 14Laha nahita ireo miaramilan'ny Syriana nilefa ny tafik'i Amona, die nitsôke an'i Abisay koa areo ary nipody ary nipody tao amin'ny tanàna. Avy eo i Joaba nipody avy tagny amin'ny vahôkan'i Amona ary nipody tagny Jerosalema.15ha hitan'ireo Syriana fa ho resin'Israely areo, die nivondrogna niarake indraike areo. 16Avy eo Hadadezera nampangaike andiana Syriana avy agny an-dafin'ny Onin'i Eofrata. Tonga tao Helama niarake tamin'i Sobaka, ilay mpifehy ny tafik'i Hedadezera lohan-dreo areo17Laha nijakaina an'ijany i Davida, die namory ny Israely abiaby ijy, nitsake an'i Jordana, ary tonga tagny Helama. Nilahatre hiady hanohitre an'i Davida ireo Syriana ary niady tamin'ajy. 18Nilefa an'Israely ireo Syriana. Nahafaty miaramila mpitondra kalesy fitonjato sy mpitaingin-tsôvaly efatr'aligna i Davida. Naratra i Sobaka mpifehy ny tafikan-dreo ary maty tagny. 19Laha hitan'ireo mpanjaka abiaby ijay mpanompon'i Hadadezera fa resin'Israely areo, die nagnano fihavanagna tamin'Israely areo ka lasa mpanompony. Noho ijany ireo Syriana die nangoaigna ny hagnampy ny vahôkan'i Amona.
Chapter 11

1Ary laha tonga ny lohataogna, amin'ny fotôgna ijay fandehanan'ireo mpanjaka hiady, die nirahin'i Davida i Joaba, mpanompony, sy ireo tafik'Israely abiaby. Nandringagna ny tafik'Israely abiaby. Nandringagna ny tafik'i Amona ary nagnano fahirano an'i Raba areo. Kanefa nijanogna tagny Jerosalema i Davida.2aha tonga ny tsondrognandro die nifoha teo am-piandriany i Davida ary nandeha tagny amin'ny tafon'ny lapany. Avy egne ijy no nahatsinjo viavy raike ijay teo am-pandroana, ary tena mahafinaritre jahana ilay viavy. 3Noho ijany die nandefa sy nagnotany olo ijay mahalala ny momba ilay viavy i Davida. Nisy olo raike nijake hoe: ''Tsy i Batseba, janake vavin'i Eliama ve ijany, ary tsy ilay vadin'i Oria ilay Hetita ve ijy?''4ie nandefa mpitondra hafatre i Davida ary nangala an'ajy; die tonga tagny amin'ajy ijy, ary niara-nandry tamin'ajy ijy (satria vao avy nandio ny tegnany tamin'ny fadim-bolagny ijy). Avy eo die nipody tagny an-dragnony ijy.5 Nitoeran'anake ilay viavy, ary nampagnirake sy nijaka an'i Davida ijy hoe; ''Betroke iaho.''6Avy Davida nampagnirake tagny amin'i Joaba hoe: ''Alefaso atoy amin'ahy i Oria ilay Hetita. ''Die nalefan'i Joaba tagny amin'i Davida i Oria. 7Laha tonga i Oria, die nagnotany an'ajy i Davida hoe nagnano akory Joaba, nagnano akory ny tafike, ary nagnano akory ny fandehan'ny ady . 8Die hoy i Davida tamin'i Oria hoe: ''Mijotsoa agny amin'ny tragnonao, ary sasao ny hongotrao. ''Ka die niala tao amin'ny lapan'ny mpanjaka i Oria, ary nandefa fagnomejana ho an'i Oria ny mpanjaka tafaran'ny nandehanany.9Fa nandry teo am-barangaran'ny lapan'ny mpanjaka niaraka tamin'ireo mpanompon'ny tompony abiaby i Oria, ary tsy nijotso tagny an-dragnony ijy. 10Laha nijaka tamin'i Davida areo hoe: ''Tsy nijotso tagny an-dragnony i Oria'',die hoy i Davida tamin'i Oria hoe: ''Tsy avy nandeha ve anao? Nagnino anao no tsy nijotso tagny an-dragnonao?''11 Namaly an'i Davida i Oria hoe: ''Ilay fiara, sy Israely ary Joda die mijanogna ao amin'ireo lay, ary Joaba tompoko sy tompon'ireo mpanompoko die nitoby tagny an-dohasaha. ahôna ary no ahafahako menga agny an-dragnoko mba hihinagna sy hinogna ary hatory hiarake amin'ny vadiko? Laha mbola velogna tokôtre anao, die tsy hanao an'ijany iaho.12Ka hoy i Davida tamin'i Oria hoe: ''Mijanona eto aloha niany, fa ampitso anao habelako handeha. '' ka nijanongna tao Jerosalema tamin'io andro io sy ny ampitso i Oria.13 Laha nangaike an'ajy i Davida, die nihinagna sy ninogna teo ankatrehany ijy, ary nomamoin'i Davida ijy. Ny tsondrognandro i Oria die nivôke mba hatory miarake amin'ireo mpanompon'ny tompony eo am-pandriany; tsy nandeha nijotso tagny an-dragnony ijy.14Ary laha maraigna die nanoratre taratasy ho an'i Joaba i Davida, ary nandefa an'ijany tamin'ny alalagn'ny tagnan'i Oria. 15Davida nanoratre tao amin'ny taratasy nilaja hoe: '' Apetraho eo alohan'ny ady mafy indrindrake i Oria, ary mialà eo amin'ajy avy eo, mba ho mety ho vôvely sy vôvono ijy.''16a laha nagnano fahirano tamin'ny tanàna i Joaba, die nanendry an'i Oria tamin'ny toerana ijay nahafantarany ireo miaramila fahavalo matanjake indrindra hiadiana ijy. 17Laha nivôke ireo lelahin'ny tanàna ary niady tamin'ny tafik'i Joaba, die lavo ny saragny tamin'ireo miaramilan'i Davida, ary Oria ilay Hetita mandy koa die vôvono tagny.18Laha nandefa jaka tagny amin'i Davida momba ny raha mahakasike ny ady i Joaba, 19die nandidy ny mpitondra hafatre ijy hoe: ''Laha vôjakanao amin'ny mpanjaka ny raha abiaby mahakasika ilay ady, 20ny mety hiboke die hoe ho vignitre ny mpanjaka ka hijaka aminao ijy hoe: 'Nagnino no nagnakeky lôtre ny tanàna anao no niady? Tsy fantatrao ve fa mety avy egne amin'ny manda areo no hitifitre?21Ija no mamono an'i Abimeleka janak'i Jerobeseta? Moa tsy viavy raike ve no nandefa vato fikosoham-bary tamin'ajy avy egne amin'ny manda, ijay nahafaty an'ajy tagny Tebeza? Nagnino anao no tegne amin'ijay akeky die akekin'ny manda no nandeha? Ary tsy mentsy hamaly anao hoe: ''Oria ilay Hetita mpanomponao mandy koa die maty.'''22Noho ijany die lasa ilay mpitondra hafatre ary nandeha tagny amin'i Davida sy nijaka tamin'ajy ny raha abiaby ijay nagnirahan'i Joaba an'ajy ho jakaina.23 Ary hoy ilay mpitondra hafatre tamin'i Davida hoe: ''Natanjaka noho ahay ny fahavalo tagny am-bôlohany; nivôke nankeo aminay teo an-tsaha areo, fa noresinay nipôdy tagny amin'ny fidirana amin'ny vavahady.24Avy eo nitifitre tagny amin'ireo miaramilanao avy egne amin'ny manda ny mpitifitran-dreo, ary vôvono ny saragny tamin'ireo mpanompon'ny mpanjaka, ary maty mandy koa Oria ilay Hetita mpanomponao. '' 25Dia hoy i Davida tamin'ilay mpitondra hafatre hoe: ''Jakao an'i Joaba ijao: 'Aja atao mahavignitre anao itoy, fa ny sabatre die handevogna raike sy raike hafa. Hamafiso loholoho hanoherana ilay tanàna ny adinao, ka ravao ijany' ary amporisiho ijy.''26Ka rehefa regnin'i vadin'i Oria fa maty i Oria vadiny, die nisaogna tanterake ny vadiny ijy. 27Laha nisinda ny alahelony, die nampagnirake sy nampody an'ajy tagny amin'ny lapany i Davida, ka lasa vadiny ijy ary namaitre jajalelahy tamin'ajy. Kanefa tsy nankasitrahan'i Yaveh ny namboarin'i Davida.
Chapter 12

1Ary Yaveh nandefa an'i Natana tagny amin'i Davida. Tonga teo amin'ajy ijy ary nijaka hoe: '' Indraike andro die nisy lelahy anankiroa tao amin'ny tanàna raike.2 Nanan-karena ny lelahy raike ary raike hafa nahantre. Ilay nanan-karena die nanagna ondry aman'osy sy aomby rahabe, 3fa ilay lelahy nahantra tsy nanagna n'ino n'ino afa tsy ondrivavy kely raike, ijay novidiany sy nofahanany ary nompiany. Niara-lehibe tamin'ajy sy tamin'ireo janagny ijany. Niara-nihinagna tamin'ajy sy ninogna ny kapoakany mihintsy aja ilay ondry, ary natory teo amin'ny sandriny hôtran'ny janagny vavy ijany.4Indraike andro die nisy mpitsidike tonga tao amin'ilay lelahy manan-karena, fa tsy te hangala biby raike avy ao amin'ny andian'ondry aman'osiny sy ireo aombiny mba homena ho sakafo ho an'ajy ilay lelahy manan-karena. Fa nalainy koja ny ondrivavy kelin'ilay lelahy mahantre ary nandrahoany ho an'ny mpamangy an'ajy ijany.'' 5Nirehitry ny havignirana tamin'ilay lelahy manan-karena i Davida, ka nijaka an-kavignirana tamin'i Natana hoe: ''Laha mbola velogna koa Yaveh, die mendrike ny ho vonoina ho faty ny lelahy ijay nagnano an'ijany. 6Tsy mentsy honerany efatre heny ny janak'ondry satria nagnano raha hôtran'ijany ijy, ary satria tsy nanagna antra tamin'ilay lelahy nahantre ijy.''7Ary hoy i Natana tamin'i Davida hoe: ''Anao ijany lelahy ijany! ilay Andriamanitr'Israely, nijaka hoe: 'Nagnosotre anao ho mpanjakan'Israely Iaho, ary namonjy anao hiala teo an-tagnan'i Saoly. 8Nagnome anao ny tragnon'ny tomponao Iaho, ary ireo vadin'ny tomponao ho eo an-tsandrinao. Nomeko anao mandy koa ny ankohonan'Israely sy Joda. Fa laha mbola kely lôtra ijany, die ho nagnome anao raha maro hafa ho fagnampiny Iaho.9Koa nagnino anao no nagnano tsinontsino ireo didin'i Yaveh, ary nagnano ijay ratsy teo imasony? Novonoinao tamin'ny sabatre i Oria ilay Hetita ary nalainao ho vadinao ny vadiny. Novonoinao tamin'ny sabatry ny tafik'i Amona ijy.10 Koa ankehitriny die tsy hiala taranakao mandrakijay ny sabatre, satria nagnano tsinontsino an'ahy sy nangala ny vadin'i Oria ilay Hetita ho lasa vadinao anao.'11Hoy Yaveh hoe: 'Io, hanangagna loja hanohitre anao avy ao amin'ny ankohonanao mandy Iaho. Eo alohan'ny masonao mandy, no hangalako ireo vadinao ary hagnomejako an-dreo ho an'ny akamanao, ary hiara-handry am-pahalalahana amin'ireo vadinao amin'ny atoandrobe-nanahary ijy. 12Fa nagnota nivony anao kanefa hataoko eo ankatrehan'Israely abiaby ijany raha ijany, amin'ny atoandrobe-nanahary.''' 13Die hoy i Davida tamin'i Natana hoe: ''Nagnota tamin'i Yaveh Iaho.'' Namaly an'i Davida i Natana hoe: ''Yaveh mandy koa efa nagnabela ny fahotanao. Tsy ho vonoina anao.14nefa, satria tamin'ny alalagn'ijany fihetsik'ijany no nanôvanao tsinontsino an'i Yaveh, die ho faty tokôtre ny jaja ijay afaitrao.''15 Avy eo die niala i Natana ary nody tagny an-dragno. Namely ilay jaja ijay nafaitry ny vadin'i Oria tamin'i Davida i Yaveh, ka narary mafy ijy.16Avy eo die nitalaho mahare tamin'Andriamanitra ho an'ilay jajalelahy i Davida. Nifady hanina i Davida ary niditre tao ka nandry tamin'ny tany ny aligna tontolo. 17Ireo loholon'ny tragno die nijanogna sy nitsangagna teo agnilany, mba hampiarigna an'ajy avy eo amin'ny tany, fa tsy nety niarigna ijy, ary tsy nety nihinagna niarake tamin-dreo. 18Ary tamin'ny andro fahafito no nahafaty ilay jajalelahy. Ireo mpanompon'i Davida die nangoaigna ny hilaja tamin'ajy fa maty ilay jaja, fa hoy areo hoe: ''Io, laha mbola velogna ilay jaja die nivoria tamin'ajy ahay, ary tsy niteno ny feonay ijy. Ino no mety hataony amin'ny tegnany laha mijaka ahay fa maty ilay jajalelahy?''19Fa laha hitan'i Davida fa nifampivitsikitsike ireto mpanompony, die fantatr'i Davida fa maty ilay jaja. Hoy ijy tamin'ireo mpanompony hoe '' Maty ve ilay jaja?'' Namaly areo hoe: ''Maty ijy.'' 20Die nitsangagna avy teo amin'ny tany i Davida ary nanasa ny tegnany, nihosotre diloilo, ary nanolo ireo fitafiany. Nandeha nenga agny amin'ny tabernakelin'i Yaveh ijy ary nagnano fanompoam-pivavahana tagny ary avy eo nipody nody tagny amin'ny lapany ijy. Laha nangatake ijy, die napetra-dreo teo alohany ny hanina, ka nihinagna ijy.21Avy eo ireo mpanompony nijaka tamin'ajy hoe: ''Nagnino no nagnano an'ijao anao? Nifady hanina anao ary nitagny an'ilay jaja laha mbola velogna ijy, fa laha efa maty ilay jaja, die nitsagnagna anao nihinagna. '' 22Die namaly i Davida hoe: ''Laha mbola velogna ilay jaja die nifady hanina sy nitagny iaho. Hoy iaho hoe: 'Ija no mahalala na hamindra fo amiko Yaveh na tsia, ka mety ho velogna ilay jaja?'23 Fa ankehitriny maty ijy, koa nagnino iaho no tokony hifady hanina? Afake hagnapody an'ajy indraike ve iaho? handeha ho agny amin'ajy iaho, fa tsy hipody amin'ahy ijy.''24Nampiognona an'i Batseba vadiny i Davida, ary niditre tao amin'ajy, ka niara-nandry tamin'ajy. Tatoy afara die namaitre jajalelahy ijy, ary nomeny ny agnarana hoe Solomona ilay jaja. Nitia an'ajy Yaveh 25ary nandefa jaka tamin'i Natana mpaminany Ijy mba hagnano ny agnarany hoe Jedida, satria tia an'ajy Yaveh.26Ary die Joaba die niady tamin'i Raba, ilay tanànan'ny mpanjakan'ny vahôkan'i Amona, ary babony ny fiarovana mafy.27 Noho ijany die nandefa mpitondra hafatre ho any amin'i Davida i Joaba ary nijaka hoe: ''Niady tamin'i Raba iaho, ary nalaiko ny famatsian-dranon'ilay tanàna.28 Ankehitriny ary angony miarake ireo ambin'ny tafikao ary mitobia hanohitre ny tanàna ary alay ijany, satria laha alaiko ilay tanàna, die hitondra ny agnarako ijany.''29Die nagnangogna ny tafike abiaby i Davida ka nandeha niady tagny Raba; niady tamin'ilay tanàna ijy ary nambabo an'ijany. 30Nalain'i Davida tegne amin'ny lohan'ny mpanjakan-dreo ny satro-boninahitre- talenta volamena raike no lanjan'ijany, ary nisy vato sarobidy tao agnatiny. Napetrake teo ambony lohan'i Davida ilay satro-boninahitre. avy eo die nindôsiny nivôke ireo babon'ny tanàna rahabe.31Nindôsiny nivôke ireo olo ijay tao amin'ilay tanàna ary notereny hiasa amin'ny tsofa, sy vy fagnaketohana, ary famaky areo; nasainy niasa tany amin'ny lafôro fangnorôm-biriky areo. Notakian'i Davida mba hagnano ijany asa ijany ny tanànan'ny vahôkan'i Amona abiaby. Avy eo die nipody nenga agny Jerosalema i Davida sy ireo tafike abiaby.
Chapter 13

1Ary tafaran'ijany i Amnona janake lahin'i Davida, die tena vôsarike tamin'i Tamara anakaviny tsara tarehy, ijay tena anakavin'i Absaloma, janaka lahin'i Davida hafa. 2Niady saigna be i Amnona ary nanjary narary ijy nohon'ny amin'i Tamara anakaviny. VIrijiny ijy, ary hôtran'ny tsy nety tamin'ny Amnona mihintsy ny hagnano raha amin'ajy.3Fa i Amnona die nanagna akama ijay Jonadaba ny agnarany janake lahin'i Simea, rahalahin'i Davida. Jonadaba die lelahy fetsy tokôtre. 4Hoy Jonadaba tamin'i Amnona hoe: ''Nagnino; ry janaky ny mpanjaka,no ketrake isa-maraigna anao? Tsy hijaka amin'ahy ve anao? '' Die namaly an'ajy Amnona hoe: ''Tiako i Tamara, anakavin'i Absaloma rahalahiko.''5Die hoy Jonadaba tamin'ajy hoe: '' Mandria eo amin'ny fandrianao ary modia marary. Laha tonga hijery anao ny abanao, die agnotanio ijy hoe: 'Afake alefanao amin'ahy ve i Tamara anakaviko ajafady mba hagnome raha ho haniko sy hahandro ijany eto alohako, ka mba hahafahako mahita an'ijany sy mihinagna ijany avy amin'ny tagnany?'' 6Noho ijany die nandry i Amnona ka nody narary. laha tonga nijaha an'ajy ny mpanjaka, die hoy Amnona tamin'ny mpanjaka hoe: ''Mba alefaso rô Tamara anakaviko mba hagnano hanina eto alohako amin'ijao aretignako ijao mba hahafahako mihinagna ijay avy amin',ny tagnany.''7Die nandefa jaka ho an'i Tamara tao an-dapany i Davida, nagnao hoe: ''Mandehana agny amin'ny tragnon'i Amnona analahinao ijao ka manomagna hanina ho an'ajy.'' 8Die nandeha tagny amin'ny tragnon'i Amnona analahiny tagny amin'ijay nandriany i Tamara. Nangala koba ijy ary namolavola an'ijany ka nagnambôtre mofo teo imasony, ary die nahandro an'ijany ijy avy eo. 9Nalainy ny lasitre ka nomeny an'ajy ny mofo fa nanda tsy nihinagna ijy. Avy die hoy Amnona tamin'ireo hafa ijay teo hoe: ''Avoahy agny ivelany ny olo abiaby, ho lavitre an'ahy, '' Ka nandeha niala teo amin'ny olo abiaby10Ary hoy i Amnona tamin'i Tamara hoe: Indôsy ao amin'ny efitragnoko ny hanina mba hihinanako an'ajy avy amin'ny tagnanao.'' die nalain'i Tamara ny mofo ijay efa namboariny, ka nindôsiny tao amin'ny efitragnon'i Amnona analahiny.11 Laha efa nitondra hanina teo amin'ajy ijy, die nitajogna an'ajy ijy ka nijaka tamin'ajy hoe: ''Avia mandria miarake amin'ahy, ry anakaviko.'' 12Namaly an'ajy ijy hoe: ''Tsiary, ry analahiko, aja terena iaho, fa tsy tokony atao eto Israely ny raha hôtran'ijany. Aja magnano ijany raha maharikoriko ijany!13Ahôna no hialako amin'ny fahamegnarako? Ary ny aminao? Ho hôtrany raike amin'ireo môla eto Israely anao! ankehitriny, mba mivoriana amin'ny mpanjaka, fa tsy hisakagna an'ahy tsy ho anao ijy. '' 14Fa na ijany aja die tsy niteno an'ajy Amnona. Satria natanjaka noho Tamara ijy, die nanambotre an'ajy ijy ary nandry niaraka tamin'ajy.15Ary nankahala an'i Tamara tamin'ny fankahalana tafahôtre i Amnona. Nankahala an'ajy lavitre noho ny nagniriany an'ajy ijy. Hoy i Amnona tamin'ajy hoe: ''Mitsangana ary mandehana.''16 Fa ijy namaly an'ajy hoe: ''Tsiare! Satria ijao faharatsiana lehibe amin'ny fandroahanao an'ahy ijao die ratsy noho ny nataonao tamin'ahy!'' Nefa tsy niteno an'ajy i Amnona. 17Fa koja, nangaike ireo mpanompony ijy ka nagnagno hoe: ''Alay tsy ho eto amin'ahy itoy viavy itoy, ary apegno ny varangaragna laha efa tafavôke ijy.''18Die navôkan'ny mpanompony tagny ivelany ijy ary napegniny ny varangaragna laha efa tafavôke ijy. Nitafy sikigna lava vôravake tsara i Tamara satria ireo janaka vavin'ny mpanjaka ijay virijiny die nisikigna hôtran'ijany. 19Nasian'i Tamara lakevogna teo amin'ny lohany ary nitriariny ny sikignany. Niloloha ny tagnany tamin'ny lohany ijy ary nandeha nitagny mahare tegne am-pandehanana.20Hoy i Absaloma analahiny tamin'ajy hoe: ''Niarake taminao ve i Amnona analahinao? nefa mangigna, ry anakaviko Analahinao ijy. Aja mandray ijany raha ijany am-po/ ''Die nitoetra rerike tao amin'ny tragnon'i Absaloma analahiny i Tamara. 21Fa laha efa regnin'i Davida mpanjaka ijany raha ijany die vignitre mafy ijy. 22Ary i Absaloma tsy nijaka n'ino n'ino tamin'i Amnona, satria Absaloma nankahala an'ajy noho ijay efa nataony tamin'ajy sy ny fomba nangalany baraka an'i Tamara anakaviny.23Ary laha afake roa taogna katroke die nanagna mpagnety ondry niasa tao Bala-hazora i Absaloma, ijay akekin'i Efraima, ary Absaloma nanasa ireo janaka lahin'ny mpanjaka abiaby mba hitranga ao. 24Nenga agny amin'ny mpanjaka Absaloma ka nagnano hoe: ''Io ankehitriny, ny mpanomponao die managna mpagnety ondry. Koa ôke ny mpanjaka sy ireo mpanompony hiarake amin'ahy, mpanomponao.''25Die namaly an'i Absaloma ny mpanjaka hoe:'' Tsiare, ry janako, tsy tokony handeha hiarake aminao aby koa ahay abiaby satria ho enta-mavesatre ho anao.'' Namporisike ny mpanjaka i Absaloma, nefa tsy nandeha ijy, kanefa nitso-drano an'i Absaloma ijy. 26Die hoy i Absaloma hoe '' Laha tsy ijany, abelao re i Amnona rahalahiko handeha hiaraka aminay.'' Die hoy ny mpanjaka tamin'ajy hoe: ''Fa nagnino i Amnona no tokony hiarake aminareo?''27Noteren'i Absaloma i Davida, ka dia namela an'i Amnona sy ireo janaka lahin'ny mpanjaka abiaby nandeha niakatre hiarake amin'ajy ijy. 28Nandidy ireo mpanompony i Absaloma nagnano hoe: ''Mitenoa tsara. Laha efa mamon'ny divay i Amnona, ary laha efa mijaka aminareo iaho hoe: ''Tafiho i Amnona, die vonoy ijy. Aja matahotre.Tsy efa nandidy anareo ve iaho? Mahereja ary managna herim-po.'' 29Koa die nataon-dreo mpanompon'i Absaloma tamin'i Amnona arak'ijay efa nandidiany an-dreo. Die nitsangagna ireo janake lahin'ny mpanjaka abiaby, ary nideba ny ampondrany ny olo ka nilefa30y laha mbola tegne an-dalagna areo die tonga tagny amin'ny Davida ny vaovao magnano hoe: ''Novonoin'i Absaloma ireo janake lahin'ny mpanjaka abiaby, ka tsy nisy na die raike aja niangagna tamin-dreo.'' 31Die nitsangagna ny mpanjaka ka nadriatre ny sikignany, die nandry teo amin'ny tany; ary ireo mpanompony abiaby nitsangagna teo akeky teo niarake tamin'ny sikigna rovitre.Ary i Jonadaba janak'i Simea, rahalahin'i Davida, namaly hoe: ''Ôke ny tompoko tsy hino fa namono ny jalahy abiaby ijay janaky ny mpanjaka areo, satria i Amnona rerike no maty. Absaloma efa nagnomana ijao nanomboke tamin'ny andro ijay nagnolagnan'i Amnona an'i Tamara anakaviny. 32Noho ijany ôke ny tompoko mpanjaka tsy handray ijany tatitre ijany am-po, ka hino fa ny janaky ny mpanjaka abiaby no maty, satria Amnona rerike mandy no maty.''34Nilefa lavitre i Absaloma.Nisy mpanompo mpiabigna nanandratre ny masony ka nahita olo rahabe nenga hatagny tegne amin'ny lalagna tegne amin'ny tety andrefany.35 Die hoy i Jonadaba tamin'ny mpanjaka hoe: ''Io, igny lahatagny ireo janake lahin'ny mpanjaka. hôtran'ijay nijakain'ireo mpanomponao mihintsy ijany.'' 36Ary laha efa tapître ny jakany, die tonga ireo janake lahin'ny mpanjaka ka nanandratre ny feony areo ary nitagny. Ny mpanjaka sy ny mpanompony koa die nitagny mahare.37 i Absaloma nilefa ary nenga agny amin'ny Talmay, janake lahin'i Amihoda, ilay mpanjakan'i Gesora. Nisaogna ny janagny isan'andro i Davida. 38Noho ijany i Absaloma die nilefa ary nenga agny Gesora, ijay nidobohany telo taogna. 39Fa ny saign'i Davida Mpanjaka nagniry hivôke hijaha an'i Absaloma, fa nionogna mahakasike ny amin'ny Amnona sy ny fahafatesany ijy.
Chapter 14

1Ary i Joaba janaka lahin'i Zeroia die nahafantatre fa nagniry ny hahita an'i Absaloma ny fon'ny mpanjaka. 2Noho ijany die nandefa jaka ho agny Tekoa i Joaba ary Joaba ary nitondra viavy hendry tagny amin'ajy. Hoy ijy tamin-draviavy hoe ''Mba miangavy rô atôvy hôtran'ny hoe misaogna anao ary misikigna sikigna fisaognana. Mba miangavy rô aja hosorana diloilo ny tegnanao, fa manôva hôtrany viavy ijay nisaogna ny maty efa ela. 3Avy eo die mandehana menga agny amin'ny mpanjaka ary voriano amin'ajy ny momba ijay ho faritako. '' Die nijakain'i Joaba tamin'ireo jaka ijay tokony ho jakainy amin'ny mpanjaka.4Laha nivoria tamin'ny mpanjaka ilay viavy avy agny Tekoa, die nampiankohoke ny tarehiny tamin'ny tany ijy ary nagnano hoe: ''Ampio iaho, ry mpanjaka.'' 5Die hoy ilay mpanjaka tamin'ajy hoe: ''Ino no olagna? Namaly ijy hoe: ''Ny marina die mpitondrategna iaho, ary maty ny vadiko.''6 Iaho, mpanomponao, die managn'anake roalahy, ary niady tegne an-karegnana areo, ka tsy nisy nagnasarake an-dreo. Ny raike namely ny raike ka nahafaty an'ajy ka nahafaty ajy.7Ankehitriny die mitsangagna manohitre ny mpanomponao ny fianakaviambe manontolo, ary hoy areo hoe: ' Atolory ilay lelahy ijay namely ny rahalahiny, mba hamonoany an'ajy ho faty, mba hagnohitre ny aign'ny rahalahiny ijay novonoiny. 'Koa die ho vonoin-dreo koa ny mpandova. Die hôtran'ijany koa no hangalan-dreo ny vain'afo mirehitre ijay nabelako, ary tsy hamela agnarana na taranake eto ambonin'ny tany ho an'ny vadiko areo.8Koa die hoy ny mpanjaka tamin-draviavy hoe: ''Mandehana agny an-dragnonao, ary handidy raha hatao ho anao iaho.'' 9Die namaly ny mpanjaka ilay viavin'i Tekoa hoe: ''Ry mpanjaka, tompoko, ôke ho amin'ahy sy ho amin'ny fianakavian'iabako ny heloke. Tsy manan-tsiny ny mpanjaka sy ny seja fiandrianany.''10Namaly ny mpanjaka hoe: ''N'ija n'ija milaja raha aminao, die indôsy ijy, ary tsy hikasike anao koa ijy.'' 11Die hoy ijy hoe: ''Mba miangavy rô ôke ny mpanjaka hahatsiaro an'i Yaveh Andriamanitrao, ka tsy hamotike n'ija n'ija bebe loholoho ny mpamaly ra, mba tsy hamotehan-dreo ny janako lahy.'' Die namaly ilay mpanjaka hoe: ''Laha mbola velogna koa Yaveh, die hisy na die singam-bolo raike amin'ny janakao aja hihintsagna amin'ny tany.12Die hoy raviavy hoe: ''Mba miangavy rô abelao ny mpanomponao mba hijaka jaka fagnampiny amin'ny tompoko ilay mpanjaka. '' die hoy ijy hoe: ''Mijaka.''13 Die hoy raviavy hoe: '' Koa nagnino ary anao no mihevitre raha hôtran'ijany amin'ny vahôkan'Andriamanitra? Fa amin'ny fijakana ijany raha ijany, die hôtran'ny olo ijay meloke ny mpanjaka, satria tsy mbola nampody indraike ny janagny lahy vôroke ny mpanjaka. 14Fa tsy mentsy ho faty antsena abiaby, ary hôtran'ny rano ararake amin'ny tany antsena, ijay tsy afake rôfina koa. Fa Andriamanitra tsy hangala ny aigna; fa koja, mahita lalagna ho an'ireo ijay vôrôka Ijy mba ho apody indraike.15Koa ankehitriny ary. Tonga hivoria ijany raha ijany amin'ny mpanjaka tompoko iaho, ijany die satria nampantahotre an'ahy ny vahôke. Koa nijaka tamin'ny tegnany ny mpanomponao hoe: 'Hivoria amin'ny mpanjaka iaho ijao. Angamba hagnantanteraka ny fangatahan'ny mpanompony ny mpanjaka. 16Satria hiteno an'ahy ny mmpanjaka, mba hanolorana ny mpanompony ho afake amin'ny tagnan'ilay lelahy ijay hamotike an'ahy sy ny janako lahy, ho afake amin'ny lovan'Andriamanitra.' 17Avy eo die nivavake ny mpanomponao hoe: ''Ry Yaveh, ôke hagnamevana an'ahy ny jakan'ny mpanjaka tompoko, satria hôtran'ny anjelin'Andriamanitra, die hôtran'ijany koa ny mpanjaka tompoko amin'ny fijakana ny tsara avy amin'ny ratsy.' Homba anao anie Yaveh Andriamanitrao.''18Avy eo die namaly ny mpanjaka ka nijaka tamin-draviavy hoe: ''Mba miangavy rô aja avony an'ahy ijay abiaby hagnontaniako anao . ''Die namaly raviavy hoe: ''Ôke hijake ny mpanjaka tompoko ankehitriny. '' 19Die hoy ny mpanjaka hoe:'' Moa ve tsy miarake aminao amin'ijao abiaby ijao ny tanan'i Joaba?'' Die namaly raviavy ka nagnano hoe: ''Laha mbola velogna koa anao, ry mpanjaka tompoko, die tsy misy afake milefa menga agny amin'ny ankavanagna na ankavia amin'ny raha abiaby ijay nijakain'ny mpanjaka tompoko. I joaba mpanomponao no nandidy an'ahy sy nijaka tamin'ahy mba hijaka ireo raha ijay nojakain'ny mpanomponao ireo. 20Efa nagnano ijany i Joaba mpanomponao mba hampiova ny raha mitranga . Hendre ny tompoko, hôtrin'ny fahendren'ny anjelin'Andriamanitra, ary fantany ny raha abiaby ijay mitranga eo amin'ny tany.''21Die hoy ny mpanjaka tamin'i Joaba hoe:''Io ary, hagnano ijany raha ijany iaho. mandehana, ary indôsy mipody ilay tovolahy Absaloma. 22''Noho ijany i Joaba die nampiankohoke ny tarehiny tamin'ny tany ho voninahitre sy fisaorana ny mpanjaka. hoy i Joaba hoe: ''Ankehitriny die fantatry ny mpanomponao fa nahita sitrake teo imasonao iaho, ry mpanjaka tompoko, amin'ny fanatanterahan'ny mpanjaka ny fangatahan'ny mpanompony.''23Die nitsangagna i Joaba, ka nenga agny Gesora, ary nitondra an'i Absaloma nipody tagny Jerosalema. 24Hoy ny mpanjaka hoe: ''Ôke ijy hipody agny an-dragnony, fa aja atao mahita ny tarehiko. '' Noho ijany die nipody tagny an-dragnony manokagna i Absaloma, fa tsy nahita ny tarehin'ny mpanjaka.25Ary nagnerana an'Israely die tsy nisy olo noderaina tamin'ny hatsaran-tarehy mihôtre noho i Absaloma. Avy agny am-paladia ka lahatagny an-tampon-dohany die tsy nisy kilema tagny amin'ajy. 26Laha efa manapake ny volon-dohany ijy isaky ny faran'ny taogna, satria navesatre tamin'ajy, die nolanjainy ny volony; milanja eo amin'ny roanjato sekely eo ijany, ijay lanjaina amin'ny fandanjan'ny mpanjaka. 27Absaloma die namaitre telo lahy sy raike vavy, Tamara no agnarany. Viavy tsara tarehy ijy.28Nidoboke roa taogna feno tao Jerosalema i Absaloma, fa tsy nahita ny tarehin'ny mpanjaka. 29Avy eo i Absaloma die nandefa jaka ho an'i Joaba mba handefa an'ajy agny amin'ny mpanjaka, kanefa tsy tonga tagny amin'ajy i Joaba. Die nandefa jaka fagnindroany i Absaloma, kanefa tsy mbola tonga mandy i Joaba.30Die hoy i Absaloma tamin'ireo mpanompony hoe: ''Ijao, eo akekin'ny an'ahy ny hosin'i Joaba, ary managna vary hordea ao ijy. mandehana ary orôy ijany.'' Koa norôn'ireo mpanompon'i Absaloma ilay hosy. 31Avy eo die nitsangagna i Joaba ary nenga agny amin'i Absaloma tagny an-dragnony, ka nagnano tamin'ajy hoe: ''Nagnino no norôn'ireo mpanomponao ny hosiko?''32Die namaly an'i Joaba i Absaloma hoe: ''Io, nandefa jaka taminao iaho nagnano hoe: 'Tongava aty mba hahafahako magnirake anao ho agny amin'ny mpanjaka mba hilaja hoe: ''Nagnino iaho no niala tagny Gesora? tsara loholoho ho an'ahy ny mbola mijanogna agny. Noho ijany ary die ôke aho hijaha ny tarehin'ny mpanjaka, ka laha meloke iaho, die oke ijy hamono an'ahy. '' '' 33Die lasa nenga agny amin'ny mpanjaka i Joaba ary nijaka tamin'ajy. Laha efa nampangaike an'i Absaloma ny mpanjaka, die nagnatogna ny mpanjaka ijy ary niankohoke ambany teo amin'ny tany alohan'ny mpanjaka, ary norohan'ny mpanjaka i Absaloma.
Chapter 15

1Ary tafaran'ijany die nagnomana kalesy sy sôvaly ho an'ajy i Absaloma, niarake tamin'ny lelahy dimampolo mba hialoha an'ajy. 2Nifoha maraigna i Absaloma ary nitsangagna teo amin'ny lalagna menga agny amin'ny vavahadin'ny tanàna. Laha nisy olo nanagna ady hindôsina eo amin'ny fitsaran'ny mpanjaka, die nangaike an'ajy i Absaloma ary nijaka hoe: ''Avy aja ny tanàna niavianao?'' Die namaly ilay lelahy hoe: ''Avy amin'ny raike amin'ireo fokon'Israely ny mpanomponao.''3Die nijaka tamin'ajy i Absaloma hoe: '' Io, tsara sy marina ny raharahanao, kanefa tsy misy olo nomen'nympanjaka fahefana hiteno ny raharahanao.'' 4Die nampian'i Absaloma hoe: ''Iriko laha mba natao ho mpitsara teto amin'ny tany iaho, mba ho tonga eo amin'ahy ny olo abiaby ijay managna ady na raharaha rariny ho an'ajy iaho!''5Ary laha efa nisy olo tonga teo amin'i Absaloma mba hagnome haja an'ajy, die namôke ny tagnany ijy ary nandray an'ajy ka nagnoroke an'ajy. 6Nagnano hôtran'ijany tamin'ireo Israely abiaby ijay nenga eo amin'ny fitsaran'ny mpanjaka i Absaloma. Koa die nangala ny fon'ny olon'Israely i Absaloma7Ary tamin'ny fiafaran'ny taogna efatre die hoy i Absaloma tamin'ny mpanjaka hoe: ''Abelao rô iaho mba handeha ary hagnefa ny voady nataoko tamin'i Yaveh tagny Hebrona. 8Fa nagnano voady ny mpanomponao tamin'iaho nonigna tagny Gesora tagny Syria, nagnano hoe: ' Laha hindôsina mipody agny Jerosalema tokôtre iaho , die hanompo an'i Yaveh.'''9Koa hoy ny mpanjaka tamin'ajy hoe: '' Mandehana am-piadagnana. ''Koa nenga i Absaloma ka nenga agny Hebrona. 10Kanefa avy eo die nagnirake mpitsikilo eragny fokon'Israely abiaby i Absaloma, nijaka hoe: ''Vantany vao maharegne ny feon-trompetra anareo, die ôke hijaka hoe: 'Absalomama no mpanjaka agny Hebrona.'''11sy lelahy roanjato avy agny Jerosalema nandeha niarake tamin'i Absaloma, ijay vôasa. Nandeha tamin'ny tsy fanagnan-tsigny areo, ary tsy nahalala n'ino n'ino tamin'ijay nokasain'i Absaloma.12 Laha efa nanolotre sorogna i Absaloma, die nampangala an'i Ahitofela avy agny amin'ny tanàna niaviany any Gilo ijy. Mpanolo-tsaignan'i Davida ijy. Nahery vaike ny fikonokonognan'i Absaloma, satria tsy nitsaha-nitombo ny olo nagnarake an'ajy.13Nisy irake nenga eo amin'i Davida nagnano hoe: ''Magnarake an'i Absaloma ny fon'ireo olon'Israely.'' 14Koa hoy i Davida tamin'ireo mpanompony abiaby ijay niarake tamin'ajy tao Jerosalema hoe: ''Mitsangana ary andao hilefa , laha tsy ijany die tsy hisy olo afake hilefa an'i Absaloma antsena. Miomàna hiala dieny ijao, laha tsy ijany die hahatratre antsena malaky ijy, ary hitondra loja eto amintsena ijy ka hanafike ny tanàna amin'ny lelan-tsabatre. 15''Die hoy ireo mpanompon'ny mpanjaka tamin'ny mpanjaka hoe: ''Ijao, vognona hagnano ijay tapaky ny mpanjaka tomponay ny mpanompony.''16Die niala ny mpanjaka ary narahin'ny fianakaviany abiaby, fa namela viavy folo, ijay vadintsindrano, mba hiandry ny lapa ny mpanjaka. 17Laha efa nivôke ny mpanjaka sy ireo olo abiaby tao afarany, die nijanogna teo amin'ny tragno farany areo. 18Nandeha niarake tamin'ajy ny tafikany abiaby, ary nandeha teo alohany ireo Keretita, sy ireo Peletita ary ireo Gatita abiaby-lelelahy eninjato no nagnarake an'ajy avy agny Gata.19Die hoy ny mpanjaka tamin'Itahy Gatita hoe: ''Nagnino anao no handeha hiarake aminay? Mipodiana ary mijanogna miarake amin'ny mpanjaka, fa vahiny sady sesin-tany anao. Mipodiana agny amin'ny fitoeranao mandy. 20Satria vô niala omaly anao, die nagnino iaho no tokony hagnabela anao hirenireny hiarake aminay? tsy fantatro akory ijay hombako. Koa mipodiana ary indôsy mipody ireo mpiray firenena akamanao. Hiarake aminao anie ny fahitsiana sy ny fitokiana. ''21Fa Itahy namaly ny mpanjaka ary nijaka hoe: ''Laha mbola velogna koa Yaveh, ary laha mbola velogna koa ny mpanjaka tompoko, agny amin'ny toerana abiaby andehanan'ny mpanjaka tokôtre, die agny koa no homban'ny mpanomponao, na midike fahavelomana ijany na fahafatesana. '' 22Koa hoy Davida tamin'Itahy hoe: ''Mandrosoa ary manohija miarake aminay. '' Koa die nandeha niarake tamin'ny mpanjaka Itahy Gatita mbamin'ireo lelahiny abiaby sy ireo fianakaviany abiaby ijay niarake tamin'ajy.23 Nitagny tamin'ny feo mahare ny tanàna manontolo laha nandalo ny lohasahan'i Kidrona ireo vahôke, ary laha nitsake mandy koa ny mpanjaka. Nandeha tegne an-dalagna nijotre ho agny an-tany efitre ny olo abiaby.24Na Zadoke niarake tamin'ireo Levita abiaby, ijay nilanja ny fiaran'ny faneken'Andriamanitra aja die teo. Napegnin-dreo ny fiaran'Andriamanitra, die nihajo an-dreo i Abiatara. Niandry ambara-pandalon'ny vahôka avy ao an-tanàna areo . 25Hoy ny mpanjaka tamin'i Zadoka hoe: ''Lanjao mipody agny an-tanàna ny fiaran'Andriamanitra. Laha mahita fitia eo imason'i Yaveh iaho, die hitondra an'ahy hipody Ijy ary hagnabôke ny fiara sy ny toerana honegnany indraike. 26Fa laha mijaka Ijy hoe: 'Tsy mankasitrake anao Iaho, indro, itoy iaho, ôke hataony amin'ahy ijay abiaby hitany fa mety Amin'ajy.''27Hoy mandy koa ny mpanjaka tamin'i Zadoka mpisorogna hoe: ''Tsy mpahita angaha anao? Mipodiana agny an-tanàna am-piadagnana, lahatamin'ireo janakao roa lahy miarake aminao, die Ahimaza janakao, sy Jonatana janak'i Abiatara. 28Io, hiandry eo amin'ny fitsahana amin'ny efitr'i Araba iaho ambara-pahatongan'ny jaka aminao hampahafantatre an'ahy. '' 29Koa die nitondra ny fiaran'Andriamanitra nipody tagny Jerosalema i Zadoka sy Abiatara, ary nitoetra tagny areo.30Fa niakatre tsy nikiraro sy nitagny nenga agny amin'ny tetin'i Oliva i Davida, ary nisarogna ny lohany. Ny olo abiaby teo amin'ny vahôke niarake tamin'ajy die nanarogna ny lohany, ary nandeha niakatre am-pitagniana tegne am-pandehanana areo. 31Nisy olo nijaka tamin'i Davida nagnano hoe: ''Isan'ireo mpikonokogna miarake amin'i Absaloma i Ahitoefa. '' Koa nivavake i Davida hoe: ''Yaveh ô Avadiho ho fahadalana rô ny torohevitr'i Ahitofela.''32Ary i Davida laha efa tonga teo an-tampon'ny lalagna, ijay efa fanompoana an'Andriamanitra, die tonga nihaogna tamin'ajy i Hosay ilay Arkita niarake tamin'ny sikignany rovitre sy vovon-tany teo amin'ny lohany. 33Hoy i Davida tamin'ajy hoe: ''Laha mandeha miarake amin'ahy anao, die ho vesatre ho an'ahy. 34Fa laha mipody agny an-tanàna anao ka mijaka amin'i Absaloma hoe: ' Ho mpanomponao iaho, ry mpanjaka, hôtran'ny naha-mpanompon'ny abanao an'ahy tamin'ny andro taloha, die ho mpanomponao mandy koa iaho ankehitriny,' die hampikorontana ny torohevitr'i Ahitofela ho an'ahy anao.35Tsy managna an'i Zadoka sy Abiatara mpisorogna hiarake aminao ve anao? koa n'ino n'ino regninao ao amin'ny lapan'ny mpanjaka, die ôke ho jakainao amin'ny Zadoka sy Abiatara mpisorogna ijany.36 Ejaho tsara tsy hiarake amin-dreo agny ny janagny roa lahy, die Ahimaza, janak'i Zadoka, sy Jonatana, janak'i Abiatara. Ôke halefanao atoy amin'ahy amin'ny tagnan-dreo ny raha abiaby ijay regninao.'' 37Koa die nenga agny an-tanàna i Hosay, akaman'i Davida, laha vô tonga sy niditre an'i Jerosalema i Absaloma.
Chapter 16

1Laha efa niala tsy lavitre ny tampon'ny tety i Davida, die tonga nitsena an'ajy i Ziba mpanompon'i Mefiboseta niarake tamin'ireo ampondra roa misy lasely; areo die nitondra mofo roanjato, sampam-bôloboke jato sy fehejan'aviavy jato, ary divay raike tavoara. 2Nijaka tamin'i Ziba ny mpanjaka hoe: '' Nagnino no nitondra ireo raha ireo anao?'' Namaly i Ziba hoe: '' Ny ampondra die natao ho hideban'ny ankohonan'ny mpanjaka, ny mofo sy mofo mamy misy aviavy die natao ho hanin'ireo olonao, ary ny divay die natao hinomin'ireo ijay rerake tagny an-tany hay.''3oy ny mpanjaka hoe: '' Aja ary ny jafy lahin'ny tomponao?'' Namaly ny mpanjaka i Ziba: ''Io, nijanogna tagny Jerosalema ijy, fa hoy ijy hoe: 'Niany die hapodin'ny ankohonan'Israely amin'ahy ny fanjakan'iabako. '' 4Die nijaka tamin'i Ziba ny mpanjaka hoe: ''Io, ijay an'i Mefiboseta abiaby die lasanao ankehitriny.'' Namaly i Ziba hoe: ''Miondrike am-panetre-tegna eo ankatrehanao iaho, ry mpanjaka, tompoko. Ôke hahita sitrake eo imasonao iaho.''5Laha efa nagnatogna an'i Bahorima i Davida Mpanjaka, die nisy lelahy avy amin'ny fokon'i Saoly nipoitre avy agny, antsoina hoe: Simey janak'i Gera. Nivôke nagnojogna tegne am-pandehanana ijy.6 Nitiliny vato i Davida sy ireo manam-pahefan'ny mpanjaka abiaby, na die teo aja ny tafike sy ireo mpiambina ijay teo an-kavia sy havanan'ny mpanjaka.7angaike fanojognana i Simey: '' Mandehana agny, mandehana mivôke eto, anao ijay mpagnano ratsy, anao ijay olo mpandatsa-dra! 8Novalian'i Yaveh taminareo abiaby ny ran'ny fianakavian'i Saoly ijay nalatsakareo, tamin'ny toerana ijay nanjakanareo . Nomen'i Yaveh teo an-tagnan'i Absaloma janakao ny fanjakana. tonga amin'ny faharavana hianao satria olon'ny ra.''9Die hoy Abisay janake lahin'i Zeroia, tamin'ny mpanjaka hoe: '' Nagnino io amboa maty io no magnojogna ny mpanjaka tompoko? Abelao rô handeha hanapake ny lohane.'' 10Fa nijake ny mpanjaka hoe:'' Mpifagnino moa iaho sy anao, ry janaka lahin'i Zeroia? magnojogna an'ahy angamba ijy satria niajaka tamin'ajy i Yaveh hoe : ' Ojogny i Davida' Ija ijany no afake hijaka amin'ajy hoe:' Nagnino anao no magnojogna ny mpanjaka?''11Ka hoy i Davida tamin'ny Abisay sy ny mpanompony abiaby hoe:'' IO, ny janako lahy ijay nafaitro, dioe te-hifofo ny aignako/ Koa mekka fa ny fagnirian'itoy Benjamina itoy ny amin'ny faharavako? Abelao ijy hagnojogna, satria nibeko an'ajy hagnano an'ijany Yaveh. 12Hijaha ny fahoarian'ny mianjady amin'ahy angamba i Yaveh, ary hamaly soa an'ahy nohon'ny ojogna nataony tamin'ahy niany.''13Koa nandeha tegne an-dalagna i Davida sy ny olony, ary Simey koja nagnarake an-dreo avy egne agnilany tegna an-tampon'ny tety, nagnojogna sy namafy vovoke ary nitily vato an'ajy laha nandeha ijy.14 Avy eo die rerake ny mpanjaka sy ny olo abiaby ijay niarake tamin'ajy, ka nangala aigna ijy laha efa nijanogna areo ny aligna.15Ary Absaloma sy ny olon'Israely abiaby ijay niarake tamin'ajy, die tonga tao Jerosalema, ary niaraka tamin,'ajy i Ahitofela. 16Ary Laha teo amin'i Absaloma, i Hosay ilay Arkita, akaman'i Davida, die nilaja tamin'i Absaloma i Hosay hoe: '' Ho ela velogna anie ny mpanjaka! Ho ela velogna anie ny mpanjaka!''17Hoy Absaloma tamin'i Hosay hoe: ''ijao ve no fahatokianao abokanao amin'ny akamanao Nagnino anao no tsy nandeha niarake tamin'ajy?'' 18Hoy i Hosay tamin'i Absaloma hoe: '' Tsiary! Fa ilay raike ijay nofidin'i Yaveh sy itoy vahôke itoy ary ny olon'Israely koja, no lelahy ijay hombako, ary hitoetra eo amin'ajy iaho.19Ija mandy koa, no olo tokony ho tompoiko? Tsy tokony hanompo eo amin'ny fagnatrehan'ny janagny lahy ve iaho? Hôtran'ny ny nanompoako teo amin'ny fagnatrehan'iabanao, die hanompo eo amin'ny fagnatrehanao iaho.''20Die hoy i Absaloma tamin'i Ahitofela hoe: ''Omeo ny torohevitrao ahay ny amin'ny tokony ho ataonay.''21 Namaly an'i Absaloma i Ahitofela hoe: Mandehana mandry miarake amin'ireo vady mpanompon'ibanao ijay nabelany hiambigna ny lapa, ary ho regnin'Israely abiaby fa nagnamembo tegna teo amin'iabanao anao. Avy eo die hatanjake ny tagnan'ireo abiaby miarake aminao.''22Ary namelatre lay ho an'i Absaloma teo an-tampogn'ny lapa areo, ka niara-nandry tamin'ireo vady andevon'ny iabany teo imason'Israely abiaby i Absaloma. 23Ary ilay torohevitre ijay nomen'i Ahitofela tamin'ijany andro ijany die hôtran'ny hoe regnin'olo avy tamin'ny vavan'Andriamanitra mihintsy. Ijany no fahitan'i Davida sy Absaloma ny torohevitr'i Ahitofela abiaby.
Chapter 17

1Die nijaka tamin'i Absaloma i Ahitofela hoe: ''Abelao iaho hifidy lelahy roa arivo sy iray aligna, ary hitsangagna sy hagnenjike an'i Davida iaho niany aligna. 2Ho tonga eo amin'ajy iaho laha mbola rerake sy malemy ijy ary hanapoke an'ajy amin-tahotre iaho. Hilefa ny vahôke ijay miarake amin'ajy, ary ny mpanjaka mandy no ho tafihiko. 3Ho indôsiko mipôdy aminao aby koa ny olo abiaby, hôtrany viavy ampekarina tonga eo amin'ny vadiny, ary ny olo abiaby die hilamigna eo ambany fahefanao; '' 4Ijay nojakain'i Ahitofela die nankasitrahan'i Absaloma sy ireo loholon'Israely abiaby.5Die hoy i Absaloma hoe: ''Angeho mandy i Hosay ilay Arkita ijao, ary ôke antsena haharegne ijay jakainy.'' 6Laha efa tonga teo amin'i Absaloma i Hosay, die najavain'i Absaloma tamin'ajy ijay nijakain'i Ahitofela ary nagnontany an'i Hosay ijy hoe: '' Tokony hagnano ijay nijakain'i Ahitofela ve antsena? Laha tsia, die jakao anay ijay toro-hevitrao.'' 7Die nijaka tamin'i Absaloma i Hosay hoe: ''Tsy tsara ny torohevitre ijay nomen'i Ahitofela tamin'itoy.''8Die nagnampy i Hosay hoe: ''Fantatrao fa mpiady mahery iabanao sy ireo lelahiny, ary masiake areo, ary hôtran'ny bera very anake agny an-karegnana. Lelahy mpiady iabanao; tsy hatory miarake amin'ny tafike ijy niany aligna. 9Io, mety mivony agny an-davake na agny an-toeran-kafa ijy ijao. Laha efa misy maty eo am-pagnombohan'ny fanafihana ny lelahinao saragny, n'ija n'ija maharegne an'ijany die hijaka hoe: 'Misy famonoana mibôke eo amin'ireo miaramila ijay magnarake an'i Absaloma.10 Ka na dia ireo miaramila be herim-po indrindrake aja, ijay hôtrany fon'i liona ny fon-dreo, die hatahotre satria fantatry ny Israely abiaby fa lelahy mahery ny abanao, ary ireo lelahy miarake amin'ajy die tena matanjake.11Noho ijany die manoro hevitre anao iaho fa tokony havory miarake eto aminao ny Israely abiaby, manomboke agny Dana ka lahatagny Beri-sheba, ijay maro isa hôtrin'ny fasike eo amoron-dranomasina, ary ny tegnanao mihintsy no handeha hiady. 12Avy eo die ho tonga eo amin'ajy ahay n'aja n'aja mety hahitana an'ajy, ary handrakotre an'ajy hôtran'ny ando lavo amin'ny tany ahay. Tsy misy abelanay ho velogna na die raike amin'ireo olony, na ijy tegnany aja.13Laha misintake agny amin'ny tanàna raike ijy, die hitondra tady ho agny amin'ijany tanàna ijany ny Israely abiaby ka ho tarihinay ho agny an-dranobe ijany, mandra-pahatsisy na die vato kely raike aja hita ao.'' 14Die hoy i Absaloma sy ireo lelahin'Isarely hoe: ''Ny torohevitr'i Hosay ilay Arkita die tsara loholoho noho ny an'i Ahitofela.'' Yaveh die nampisy fandavana ny torohevitre tsaran'i Ahitofela mba hitondrana loja eo amin'i Absaloma.15Die hoy i Hosay tamin'i Zadoka sy tamin'i Abiatara hoe:'' Ahitofela nanoro hevitre an'i Absaloma sy ireo loholon'Israely tamin'ny fomba hôtran'ijany, nefa iaho managna hevitre hafa. 16Koa ankehitriny ary, mandehana malaky ary tatero agny amin'i Davida; jakao ijy hoe: 'Aja mitoby ao amin'ireo Fitan'i Araba anio aligna, fa mitsaha amin'ny fomba abiaby, laha tsy ijany die vôteligna miarake amin'ireo vahôke abiaby ijay miaraka amin'ajy ny mpanjaka.'''17Ary i Jonatana sy Ahimaza nitoetra teo amin'ny loharanon'i En-rogela. Nisy mpanompo vavy natao handeha sy hampahalala an-dreo ny amin'ijay tokony ho fanta-dreo, fa tsy natahorana ho hita ny fidiran-dreo ao an-tanàna. Laha efa tonga ny hafatra, die nandeha sy nijaka an'i Davida Mpanjaka areo. 18Nefa nisy jalahy nahita an-dreo tamin'io fotôgna io ka nijaka tamin'i Absaloma. Die nivôke malaky i Jonatana sy Ahimaza ary nenga agny an-dragnon'ny lelahy raike tao Bahorima, ijay nanagna lava-drano teo an-tokontaniny, tao no nijotsoan-dreo.19ngala fandrakofana ilay lava-drano ny vadin-dralelahy ary nandrakotre an'ijany tamin'ny vavan'ny lava-drano, ary nagnaparitake vary teo amin'ijany, ka die tsy nisy nahalala fa tao amin'ny lava-drano i Jonatana sy Ahimaza. 20Tonga tao amin-draviavy tao an-dragno ireo lelahin'i Absaloma ary nagnano hoe: ''Aja i Ahimaza sy Jonatana? '' Hoy raviavy tamin-dreo hoe: '' Efa nitsaka ny ranobe areo. ''Ka laha efa avy nijaha ny magnodidina areo ka tsy nahita an-dreo, die nipody tagny Jerosalema.21Ary laha efa lasa ijy nareo die niakatre avy tao an-dava-drano i Jonatana sy Ahimaza. Nandeha nitatitre tagny amin'ny Davida Mpanjaka areo : Hoy areo tamin'ajy hoe: Mitsangana ary mitsaha malaky ny rano satria Ahitofela efa nagnome torohevitre hôtan'ijao sy hôtran'ijao momba anao.'' 22Die nitsangagna ireo Davida sy ny olo abiaby ijay niarake tamin'ajy, ka nitsaka an'i Jordana areo. Nialohan'ny andro maraigna die tsy nisy tsy tafita an'i Jordana areo.23Laha efa hitan'i Ahitofela fa tsy nirahina ny toroheviny, die nagnisy lasely ny ampondrany ijy nary lasa nody tagny an-tanànany ijy , nandaamigna ireo raharahany, ary nagnato-tegna. Tamin'ijany fomba ijany no nahafaty an'ajy ary nalevigna tany amin'ny fasan-drainy ijy.24Avy eo i Davida die tonga tagny Mahanaima. Laha ny amin'ny Absaloma, die nitsake an'i Jordana ijy, ijy sy ireo lelahy Israely abiaby niarake tamin'ajy. 25Ary Absaloma nametrake an'i Amasa fa tsy Joaba hifehy ny tafike. Amasa die janake lahin'i Jitra ilay Ismaelita, ijay nandry niarake tamin'i Abigaila, ijay janake vavin'i Nahasa ary rahavavin'i Zeroia endrin'i Joaba. 26Ary Israely sy Absaloma die nitoby tao amin'ny tanin'i Gileada.27Ary laha efa tonga Mahanaima i Davida, i soby janake lahin'i Nahasa avy ao Raba ao amin'ireo Amonita, sy Makira janake lahin'i Amiela avy ao LO-debara, ary Barzilay ilay Gileadita avy agny Rogelima, 28die nitondtra fandriana sy Bodofotsy, lovia sy vilagny, sy vary , kobam-bary hordea, lango, tsaramaso, vônemba, 29tintele,, dibera, ondry, ary ronono mandry, mba hafahan'i Davida sy ireo vahôke niarake tamin'ajy mihinagna. Hoy ireo lelahy ireo hoem ''Te hinagna , rerake, ary maka agny an'efitre ny vahôke.''
Chapter 18

1Nagnisa ireo miaramila ijay niarake tamin'ajy i Davida ary nanendry kapitenin'ny arivo sy kapitenin'ny jato teo amin-dreo. 2Avy eo die nalefan'i Davida ny tafika, ny ampahatelony teo ambany fifehejan'i Joaba, ny ampahatelony iraike hafa teo ambany fifehejan'i Abisay janaka lahin'i Zeroia, rahalahin'i Joaba, ary ampahatelony raike hafa teo ambany fifehejan'Itahy Gatita. Hoy ny mpanjaka tamin'ny tafika hoe: ''Iaho mandy koa die ,handeha hiarake aminareo tokôtre.''3Fa hoy ireo lelahy hoe: '' Ôke tsy handeha amin'ny ady anao; fa laha milefa amin'ny ady ahay die tsy hiraharaha ijay momba anay areo, na laha maty ny antsasakay die tsy hiraharaha areo. Fa anao die mendrike ny iray aligna aminay! Noho ijany die tsara laha vognona hagnampy anay avy atoy amin'ny tanàna anao. 4''Ka namaly an-dreo ny mpanjaka hoe: '' Ho ataoko ijay mety ho tsara aminareo.'' Die nitsangagna mandra-pivôke isan-jatony sy isan'arivony ny tafika.5Nandidy an'i Joaba, Abisay, ary Itahy ny mpanjaka nagnano hoe: ''Nohon'ny amin'ahy die mifanaraha amin-katsaram-pagnahy amin'ilay jalahy, amin'i Absaloma.'' Ny vahôke abiaby die naharegne fa nagnome ijany beko ijany an'ireo kapiteny momban'i Absaloma ny mpanjaka.6Ka lasa nenga agny ambanivolo nanohitre an'Israely ny tafike; niparitake tamin'ny alan'i Efraima ny ady. 7Resy tagny teo ankatrehan'ireo miaramilan'i Davida ny tafik'Israely; nisy famonoana olo roa aligna tagny tamin'io andro io.8 Niparitake eragn'ny faritre manontolo ny ady, ary maro loholoho ny olo ravan'ny ala noho ny sabatre.9Ary nifanehatre tamin'ny saragny tamin'ireo miaramilan'i Davida i Absaloma. Nideba ny ampondrany ijy, ary nandeha tao ambany sampagna matevin'ny hajo terebinta lehibe ny ampondrany, ka vôojogna tao amin'ny ratsagnin'ny hajo ny lohany. Tabela nikiraviravy teo agnelagnelan'ny tany sy ny lanitra ijy laha lasa ny ampondra nidebany. 10Nisy olo raike nahita an'ijany ka nijaka tamin'i Joaba hoe: ''Io, hitako nihantogna tamin'ny hajo terebinta i Absaloma.'' 11Hoy i Joaba tamin'ilay olo ijay nijaka tamin'ajy ny momban'i Absaloma: ''Io, Hitanao ijy! Nagnino tsy nivilejinao holavo amin'ny tany ijy! Mety ho nomeko sekela volafotsy folo sy fehikibo anao.''12Namaly an'i Joaba ilay olo hoe: ''Na die nandray sekela volafotsy arivo aja iaho, die mbola tsy hagnampatre ny tagnako amin'ny janaky ny mpanjaka, satria reginay abiaby fa ny mpanjaka die nibeko anao, an'i Abisay, sy an'Itahy, nagnano hoe: ' Ôke tsy hisy n'ija n'ija hikasike an'ilay jalahy die i Absaloma.' 13Laha nahafoy ny aignako tamin'ny vandy iaho ( ary tsy misy raha mivony amin'ny mpanjaka), die mety ho nagnary an'ahy anao.''14Die hoy i Joaba hoe: ''Tsy handigny anao iaho.'' Ka nangala lefogna telo tegny an-tagnany i Joaba ary nandetike ireo tao amin'ny fon'i Absaloma, laha mbola velogna sy nihatogna teo amin'ny hajo terebinta ijy. 15Avy eo ireo jalahy folo ijay nilanja ny fitôvam-pedien'i Joaba nagnodidigna an'i Absaloma, namely an'ajy16y eo i Joaba nitsoke ny trompetra, ary nipody avy tamin'ny fagnajahana an'Israely ny tafike, satria i Joaba no nifehy ny tafike. 17Nalain-dreo i Absaloma ka natsipin-dreo tagny agnaty lavake lehibe tao an'agnala; nalevin-dreo tao ambany antontam-bato lehibe ny vatagny, laha hôtrany ka nilefa ny Israely abiaby, ny olo abiaby ho agny an-dragnony avy.18Ary i Absaloma, laha mbola velogna, die nanangagna antontam-bato lehibe tao amin'ny lohasahan'ny Mpanjaka ho ajy, fa hoy ijy hoe: ''Tsy manan-janake lahy hitondra ny agnarako iaho. ''Nomeny ny agnarany ilay antontam-bato, ka tamin'io andro io mandy die nangehana hoe: Tsangam-baton'i Absaloma ijany.19y hoy i Ahmaza janak'i Zadoke hoe: ''Abelao hihajakajake hitondra vaovao mahafaly ho agny amin'ny mpanjaka iaho, die ny fomba namonjen'i Yaveh an'ajy teo an-tagnan'ireo fahavalony. 20''Namaly an'ajy i Joaba hoe: ''Tsy anao no ho mpitondra vaovao niany; ôke amin"ny andro magnaraka anao no manao an'ijany. Tsy hitondra vaovao anao niany satria maty ny janaka lahin'ny mpanjaka.''21Ary hoy i Joaba tamin'ilay Kosita raike hoe: ''Mandehana , jakao amin'ny mpanjaka ijay hitanao. '' Die niankohoke teo amin'i Joaba ilay Kosita, ary lasa nihajakajake. 22Avy eo i Ahimaza janak'i Zadoke nijake tamin'i Joaba indraike hoe: ''N'ino n'ino mety hiboke die abelao hihajakajaka mandy koa iaho ka hagnaraka ilay kosita. '' Joaba namaly hoe: '' Nagnino anao no te-hihajakajaka, ry janako, nefa mahita fa tsy hahajo valisoa amin'ireo vaovao anao?'' 23''N'ino n'ino mibôke,'' hoy i Ahimaza, ''Die hihajakajaka iaho. ''Ka namaly an'ajy i Joaba hoe: ''Mihajakajaha.'' Ary nihajakajaka tamin'ny tany lemake i Ahimahaza, ka nihôtre an'ilay Kosita.24Ary i Davida nidoboke teo agnelagnelan'ny agnatiny sy ivelan'ny vavahady. Nandeha tegny amin'ny manda ilay mpiambigna ary nanandratre ny masony; Laha nijaha ijy die nahita lelahy nagnatogna, nihajakajaka rerike.25 Nihiakiake ilay mpiambigna ary nijaka tamin'ny mpanjaka hoe: '' Laha rerike ijy, die misy vaovao ao am-bavany. ''Nagnatogna akeky ilay mpihajakajake ary nagnakeky ny tanàna.26Avy eo die nahita mpihajakajake raike hafa ilay mpiambigna, ka nampagaike ny mpiandry vavahady ijy; hoy ijy hoe: '' Io, misy olo raike hafa mihajakajaka rerike.'' Hoy ny mpanjaka hoe: ''Mitondra vaovao mandy koa ijy. ''27 Ka nijaka ilay mpiambigna hoe: '' Hôtran'ny fihajakajahan'i Ahimaza zanak'i Zadoka no fahitako ny fihajakajak'ilay olo raike eo aloha. '' Hoy ny mpanjaka hoe: ''Lelahy tsara ijy ary tonga miarake amin'ny vaovao mahafaly.''28Die nangaike mahare i Ahimaza ary nijaka tamin'ny mpanjaka hoe: ''Mety ny raha-abiaby. '' Nampiankohoke ny tegnany tamin'ny tarehine teo amin'ny tany teo ankatrehan'ny mpanjaka ijy ary nagnano hoe: ''Deraina anie Yaveh Andriamanitrao! Nagnafake ny olo ijay nanandratre ny tagnan-dreo nanohitre ny mpanjaka tompoko Ijy.'' Ka namaly ny mpanjaka hoe: ''Mety tsara ve ny amin'ilay jalahy Absaloma?'' ka Namaly i Ahimaza hoe: ''Laha efa nandefa an'ahy, 29mpanompon'ny mpanjaka, henga aty aminao i Joaba, ry mpanjaka, die nahita korontagna lehibe iaho, fa tsy fantatro hoe inona ijany.'' 30Die hoy ny mpanjaka hoe:'' Mitodiha kely ary mitsangagna eto.'' Ka nitodika kely ahimaza, ary nitsagagna.31Die tonga teo no ho eo: ''Misy vaovao mahafaly ho anao ry mpanjaka tompoko, fa ankehitriny Yaveh die namaly faty anao tamin'ireo abiaby ijay nitsangagna nanohitre anao.'' 32Ary hoy ny mpanjaka tamin'ilay Kosita hoe: ''Mety tsara ve ny amin'ilay jalahy Absaloma?'' Namaly ilay Kosita hoe: ''Ireo fahavalon'ny mpanjaka tompoko, sy ireo abiaby ijay mitsangagna manohitre anao mba handratre anao, die tokony ho hôtran'io jalahy io. ''33 Die ketrake fatratre ny mpanjaka, ka niakatra tagny amin'ny eitragno ambonin'ny vavahady ijy ary nitagny. sady nandeha ijy no niataraigna hoe: ''Absaloma janako, ny janako, Absaloma janako! Tokony ho iaho no maty fa tsy anao, ry Absaloma, ny janako, ny janako!''
Chapter 19

1Nijakaina tamin'i Joaba hoe: ''Io, mitagny sy misaogna ho an'i Absaloma ny mpanjaka.'' 2Ka die nivadike fisaognana ho an'ny tafike abiaby ilay fandresena tamin'io andro io, fa ny tafike naharegne ijany tamin'io andro io hoe: ''Misaogna ho an'ny janagny lahy ny mpanjaka.''3Tsy mentsy niala mangingigna ny tanàna tamin'io andro io ireo miaramila, hôtran'ny vahôke megnatre miala moramora laha handeha agn'ady areo.4 Nagnarogna ny tarehiny ny mpanjaka ary nitagny tamin'ny feo mahare hoe: ''Ry Absaloma janako, Absaloma, ny janako, ny janako!''5Ary niditre tao an-dragno tao amin'ny mpanjaka i Joaba ary nijaka tamin'ajy hoe: ''Nagnala barake ireo tarehin'ny miaramilanao abiaby niany, ijay nagnavotre ny aignao niany, ny aign'ireo janakao lahy sy ireo janakao vavy, sy ny aign'ireo vadinao ary ny aign'ireo vadin'ny andevonao anao, 6satria anao die tia ireo ijay mankahala anao, ary mankahala ireo ijay tia anao. Fa niany die nabokanao fa tsinontsino aminao ireo mpifehy sy miaramila. Ankehitriny die mino iaho fa laha velogna i Absaloma, ary maty aby antsena, die ho nahafaly anao ijany.7Koa noho ijany mitsangàna ka mivoaha ary voriano am-pahatsorana ireo miaramilanao, fa mifanta amin'Yaveh iaho, fa laha tsy mandeha anao, die tsy hisy olo na raike aja hijanogna miarake aminao niany aligna. Ho ratsy loholoho aminao noho ny loja abiaby ijay efa nihatre taminao lahatamin'ny fahatanoranao ka lahatamin'ijao ijany. ''8 Koa nitsangagna ny mpanjaka ary nidoboke teo am-bavahadin'ny tanàna, ary ny vahôke abiaby nijaka hoe: ''Io, midoboha eo am-bavahadin'ny mpanjaka,'' ary nenga eo alohany ny vahôke abiaby. die nitsôke ny Israely, samy nenga agny an-dragnony aby ny olo abiaby.9Ary ny vahôke abiaby niady hevitre ny amin'ny fokon'Israely abiaby nagnano hoe: ''Namonjy antsena teo an-tagnan'ireo fahavalontsena ny mpanjaka, ary nagnavotre antsena teo an-tagnan'ireo Filistina ijy, fa ankehitriny die nitsôke ny tany ijy noho i Absaloma. 10Absaloma, ijay nohosorantsena hanjake teto amintsena, die efa maty tagny agn'ady. Koa nagnino anareo no tsy mijaka n'ino n'ino ny amin'ny fampodiana ny mpanjaka?''11Davida mpanjaka nagnirake tagny amin'i Zadoka sy Abiatara mpisorogna nagnano hoe: ''Jakao ireo loholon'i Joda hoe: 'Nagnino no anareo koa no farany amin'ny fampodiana ny mpanjaka agny amin'ny lapany, nefa ny vorian'ny Isarely abiaby die mankasitrake ny mpanjaka, mba hitondra an'ajy hipody agny amin'ny lapany? 12Rahalahiko anareo, nofoko sy tolagnako. Koa nagnino no anareo koa no farany amin'ny fampodiana ny mpanjaka?'13Ary ilajao i Amasa hoe: 'Moa ve anao tsy nofoko sy taolagnako? hataon'Andriamanitra amin'ahy anie ijany, ary mihôtre noho ijany aja, laha tsy kapitenin'ny tafikako eo amin'ny toeran'i Joaba anao manomboka amin'ijao.'' 14Ary babony hôtrany olo raike ireo fon'ny lelahin'i Joda abiaby. Nagnirake tagny amin'ny mpanjaka areo nagnano hoe: ''Mipodiana, anao sy ny olonao abiaby. ''15 Die nipody ny mpanjaka ka tonga teo amin'ny Jordana. Ary ny vahôken'i Joda tonga teo Gilgala mba hitsena ny mpanjaka ary avy eo hitondra ny mpanjaka hitsake ny Jordana.16Simey janake lahin'i gera, ilay Benjamita, ijay avy agny Bahorima, die nijotso malaky niarake tamin'ny vahôkan'i Joda mba hitsena an'i Davida Mpanjaka.17 Nisy arivo lahy avy agny Benjamina niarake tamin'ajy, ary Ziba ilay mpanompon'i Saoly, sy ireo Janagny lahy dimy ambin'ny folo ary ireo mpanompony roapolo niarake tamin'ajy. Nitsake ny Jordana teo ankatrehan'ny mpanjaka areo.18 Nitsake mba hitondra ny fianakavian'ny mpanjaka sy hagnano ijay abiaby noheveriny fa tsara areo. Niankohoke teo ankatrehan'ny mpanjaka i Simey janake lahin'i Gera mialohan'ny hitsahany ny Jordana.19Hoy i Simey tamin'ny mpanjaka hoe: ''Tsiare, ry tompoko, aja magnameloke an'ahy na mahatsiaro ijay nataon'ny mpanomponao tamim-pahamafisan-doha tamin'ny andro nialan'ny mpanjaka tompoko tao Jerosalema. Miangavy, Ôke tsy handray am-po anie ny mpanjaka. 20Fa ireo mpanomponao die mahalala fa efa nanota iaho. Io, ijany no antony nahatongavako vôlohany tamin'ireo fianakavian'i Josefa abiaby niany mba hijotso hitsena ny mpanjaka tompoko.''21 Abisay janakalahin'i Zeroia namaly ary nagnano hoe: ''Tsy tokony ho vonoina ve i Simey noho ijany, satria nagnojogna an'ilay vôhosotr'i Yaveh ijy? 22Ary i Davida nijaka hoe: ''Moa mpifagnino iaho sy anao, ry janaka lahin'i Zeroia, no tokony ho mpanohitre an'ahy anareo ankehitriny? Tokony hisy hisy lelahy ho vonoina ve eto Israely niany? Fa moa tsy fantatrao ve fa iaho no mpanjakan'i Israely niany? 23Koa nijaka tamin'i Simey ny mpanjaka hoe: ''Tsy ho faty anao. '' Die nampagnantegna an'ajy tamim-pifantana ny mpanjaka.24Ary Mefiboseta janake lahin'i Saoly nijotso mba hitsena ny mpanjaka. Tsy nagnisy kapa ny hongony ijy, na nagnala ny volom-bavany, na nanasa ny sikignany nanomboke tamin'ny andro nandehanan'ny mpanjaka ka lahatamin'ny andro nahatongavany soa aman-tsara tao an-dragno. 25Koa laha efa tonga avy tagny Jerosalema ijy mba hitsena ny mpanjaka, die hoy ny mpanjaka tamin'ajy hoe: ''Nahoana anao no tsy niarake tamin'ahy, ry Mefiboseta?''26Namaly ijy hoe: ''Ry mpanjaka tompoko, namitake an'ahy ny mpanompoko, fa hoy iaho hoe: 'Hagnisy lasely ny ampondrako iaho mba hahafahako mideba an'ijany sy miaraka amin'ny mpanjaka, satria mandringa ny mpanomponao. 27Ziba mpanompoko die efa nagnendrikendrike an'ahy, mpanomponao, tamin'ny mpanjaka tompoko die hôtran'ny anjelin'Andriamanitra. Noho ijany, atôvy ijay tsara eo imasonao. 28Satria ny taranaky ny abako abiaby die efa lelahy maty eo ankatrehan'ny mpanjaka tompoko, kanefa anao nametrake ny mpanomponao ho isan'ireo ijay nihinagna teo ambony latabatrao manokagna. Koa ino koa noho ijany no rariny ho an'ahy ijay tokony mbola hitaraignako amin'ny mpanjaka?''29Die hoy ny mpanjaka tamin'ajy hoe: ''Nagnino no magnajava raha mihôtre?'' efa nanapa-kevitre iaho fa anao sy Ziba no hijara ireo haregnana.'' 30Ary Mefiboseta namaly ny mpanjaka hoe: ''Eka, Ôke ijy hangala an'ajy abiaby, satria ny mpanjaka tompoko die efa tonga soa aman-tsara ato an-dragnony.''31Ary Barzilay ilay Gileadita die nijotso avy agny Rogelima mba hitsake ny Jordana miarake amin'ny mpanjaka nitsake ny Jordana ijy. 32Barzilay die lelahy efa tena antitre, valopolo taogna; Efa nagnome vatsy ny mpanjaka ijy fony ijy nidoboke tao Mahanaima; satria lelahy tegna mpagnefoefo ijy. 33Hoy ny mpanjaka tamin'i Barzilay hoe: '' Ndao hiara-mitsake amin'ahe, ary hagnome anao toerana miarake amin'ahe agny Jerosalema iaho.''34Barzlay namaly ny mpanjaka hoe: ''Hafiriana moa sisa no andro hiaignako, no mbola tokony hiara-hiakatre amin'ny mpanjaka agny Jerosalema iaho? 35Valopolo taogna iaho. mahay magnavake ny tsara sy ny ratsy ve iaho? Mahavita mihinangna ijay haniko sy nomiko ve ny mpanomponao? Moa ve iaho maharegne ny feon'ny mpihira vavy koa? Koa nagnino ny mpanomponao no mbola vesatre ho an'ny mpanjaka tompoko? 36Te hitsake an'i Jordana miarake amin'ny mpanjaka fotsiny ny mpanomponao. Koa nagnino ny mpanjaka no die hamaly fitia an'ahy hôtran'ijany?37Ôke rô ny mpanomponao hody mba ho faty agny amin'ny tanànako eo akekin'ny fasagn'ny iabako sy ny endriko iaho. fa igny, itoy i Kimama mpanomponao. Ôke ijy hiara-mitsake amin'ny tompoko mpanjaka, ary atôvy amin'ajy ijay heverinao fa tsara aminao.''38Die namaly ny mpanjaka hoe: ''Hiara-mitsake amin'ahy i Kimama, ary hataoko amin'ajy ijay heverinao fa tsara, ary n'ino n'ino irinao atoy amin'ahy, die hataoko ijany ho anao. '' 39Ary nitsake an'i Jordana ny vahôke abiaby, nitsake ny mpanjaka, die nagnoroke an'i Barzilay ijy ary nitso-drano an'ajy. Die nody tagny an-dragnony i Barzilay.40Die nitsake an'i Gilgala ny mpanjaka, ary Kimama nitsaka niarake tamin'ajy. Ny tafik'i Joda abiaby die nitondra ny mpanjaka niampita, ary koa ny antsasa-tafiky ny Israely. 41Vetivety die nanomboka tonga teo amin'ny mpanjaka ny lelahin'Israely abiaby ary nijaka tamin'ny mpanjaka hoe: ''Nagnino ireo rahalahintsena, ireo lelahin'i Joda, no nangalatre anao ary nitondra ny mpanjaka sy ny fianakaviany nitsaka an'i Jordana, ary ny lelahin'i Davida abiaby niarake tamin'ajy?''42Die namaly ny lelahin'Israely ny lelahin'i Joda hoe: ''Ijany die satria ny mpanjaka akeky anay kokoa. Koa nagnino anareo no vignitre amin'ijany? Efa nandany ijay nivangain'ny mpanjaka ve ahay? efa nagnome fagnomejana ho anay ve ijy?'' 43Die namaly ny lelahin'i Joda ny lelahin'Israely hoe: ''Managna foko folo mifandray amin'ny mpanjaka ahay, noho ijany lalo manan-jo ny amin'ny Davida noho anareo ahay. koa nagnino anareo no magnano tsinotsino anay? Moa ve tsy tolo-kevitray ny amin'ny hitondrana ny mpanjakanay hipody no regny vôlohany?'' Fa ireo jakan'ny lelahin'i Joda die lalo mahery noho ireo jakan'ireo lelahin'Israely.
Chapter 20

1Sendra nisy mpagnakorotagna raike teo amin'ilay toerana ary Seba no agnarany janake" lahin'i Bikry, Benjamita raike ijy. Nitsoke ny trompetra ijy sady nijaka hoe: '' Tsy managna anjara agny amin'i Davida antsena, no sady tsy mahajo lova agny amin'ny janaka lahin'i Jese. Abelao ny lelahy abiaby hody agny an-dragnony, ry Israely.'' 2Noho ijany die nandao an'i Davida ireo lelahin'Israely abiaby ary nagnaraka an''i Seba janaka lahin'i Bikry. Nefa ireo vahôkan'i Joda nifikitre nagnaraka ny mpanjakan-dreo, avy amin'ny lalagn'i Jordana abiaby ka lahatagny Jerosalema.3Laha tonga tao amin'ny lapany tao Jerosalema i Davida, die nangala ireo vady andevo folo ijay nabelany hiandry lapa ijy, ary nadobokany tao amin'ny tragno iray vôambigna areo. Nagnome ijay abiaby nilainy ijy, fa tsy niara-nandry tamin-dreo koa. Ka nipegna tao areo mandra-pahatongan'ny andro nahafatesany, niaigna hôtran'ny mpitondra tegna areo.4Ary hoy ny mpanjaka tamin'i Amasa hoe:'' Vorio ao agnatin'ny telo andro ireo lelahin'i Joda; tsy mentsy eto mandy koa anao. 5''Dia lasa Amasa namory ireo lelahin'i Joda, nefa naharitre ela loholoho noho ny fe-potôgna ijay nandidan'ny mpanjaka an'ajy ijy.6Ka hoy i Davida tamin'i Abisay hoe: ''Ankehitriny i Seba janaka lahin'i Bikry die hagnano ratsy antsena mihôtre noho ny nataon'i Absaloma .Indôsy ireo mpanompon'ny tomponao, ireo miaramilako, ka anjaho ijy, laha tsy ijany hahita tanàna mimanda ijy ka tsy ho hitantantsena.'' 7Die lasa nagnanjake an-dreo lelahin'i Joaba, niarake tamin'ireo Keretiota sy ireo Peletita ary ireo mpiady mahere abiaby. niala tao Jerosalema areo mba hagnanjake an'i seba janake lahin'i Bikry.8Laha efa teo amin'ilay vato lehibe ijay tao Gibeona areo, die tonga i Amasa mba hitsena an-dreo.Efa nangnanôvan-i Joaba tegne amin'ajy ny sikigna fiadiana, ijay nisy fehikibo tegne am-balahagne niaraka tamin'ny fasian-tsabany nifatotre tamin'ijany. Ary laha nandeha ijy, die latsake ilay sabatre.9Ka hoy i joaba tamin'i Amasa hoe: ''Salama tsara ve anao, ry rahalahiko?Noresin'i Joaba tamim-pitiavana tamin'ny tagnany havanana ny volombavan'i Amasa mba horohany. 10Tsy tsikaritr'i Amasa ny sabatre kely ijay tegne an-tagnan-kavian'i Joaba. Notsindromin'i Joaba teo amin'ny trokany i Amasa, ka nivarorake tamin'ny tany ireo tsinainy, tsy namele an'ajy koa Joaba, ary maty Amasa. Noho ijany die nagnanjake an'i Seba janake lahin'i Bikry i Joaba sy Abisay rahalahiny.11Avy eo die nijanogna teo amin'i Amasa ny raike tamin'ireo lelahin'i Joaba, ary hoy ilay lelahy hoe: '' Ijay momba an'i Joaba, sy ijay momba an'i Davida, abelao ijy hagnaraka an'i Joaba. '' 12Nihosogna ny rany teo agnivon'ny lalagna i Amasa. Laha efa hitan'ilay lelahy fa nitrehe ny olo abiaby, die nafindrany niala teo amin'ny lalagna ho agny amin'ny saha i Amasa. Norakofany lamba teo amboniny satria hitany fa ijay olo mandalo eo amin'ajy die mijanogna. 13Laha efa avy nalainy teo amin'ny lalagna i Amasa, die nagnarake an'i Joaba hagnajaka an'i Seba janake lahin'i Bikry ny lelahy abiaby.14Seba die namakivaky ireo fokon'Israely abiaby tagny Abela agny Beti-maka, sy naneragna ny tanin'ny Berita abiaby, ijay niangogna ary nangnanjake an'i Seba mandy koa. 15Tratra ijy ka nataon-dreo fahirano Abela tagny Beti-maka. Nagnandragna tovo-tany raike alohan'ny manda teo amin'ny tanàna areo. Ny tafike abiaby ijay nagnarake an'i Joaba die nandrava ny manda mba handavo an'ijany. 16Avy eo die nisy viavy hendry raike nangaike ny tao an-tanàna hoe: ''Tenoy, mba tenoy rô, ry Joaba! Menga eto akekiko mba ho afaka hivoria aminao iaho.''17Ka nanatogna an'ajy i Joaba, hoy ilay viavy hoe: ''Anao ve no Joaba?'' Die namaly ijy hoe: ''Iaho no ijy.'' Ary hoy ijy tamin'ajy hoe: ''Tenoy ny jakan'ny mpanomponao.'' Tenoy ny jakan'ny mpanomponao.'' 18Die namaly ijy hoe: ''Fijakan'ireo taloha ny hoe: 'Mitadiava hevitre agny amin'ny Abela,' ary ijany hevitre ijany no hampitrehy ny olagna.19 Ahay die tanàna raike amin'ireo ijay milamigna sy mahatoky indrindrake eto Israely. Mikasa hamotike tanàna raike ijay reny eto Israely anao. Nagnino anao no mandrembe hihinagna ny lovan'i Yaveh?''20Ka namaly Joaba ary nijaka hoe: ''Sagnatria, die sagnatria amin'ahy, ny hangala na hanimba. 21Tsy marina ijany. Fa misy lelahy raike avy agny amin'ny tany tetin'i Efraima, angehana hoe Seba janake lahin'i Bikry, nanandratre ny tagnany hanohitre ny mpanjaka, hanohitre an'i Davida. Ijy rerike no atolory, die hiala eto amin'ny tanàna iaho. ''Hoy raviavy tamin'i Joaba hoe: ''Ho atsipy eo aminao hihôtre ny manda ny lohany. 22Ary tamim-pahendreny no nagnatognan'ilay viavy ny olo abiaby. Notapahan-dreo ny lohan'i Seba janake lahin'i Bikry ary natsipin-dreo teo amin'i Joaba. Avy eo nitsôke ny trompetra ijy ary nandao ny tanàna ireo lelahin'i Joaba, ny lelahy abiaby ho agny an-dragnony aby. Avy eo i Joaba die nipody tagny Jerosalema ho agny amin'ny mpanjaka.23Ary i Joaba die ambonin'ireo tafiky ny Israely abiaby, ary janaka lahin'i Joiada die ambonin'ireo Keretita sy ireo Peletita. 24Adorama die ambonin'ireo lelahy ijay nagnano asa an-terivojogna. Ary Josafata janake lahin'i Ahiloda no mpitahiry. 25Seva no mpanora-dalàna, ary Zadoka sy Abiatara no mpisorogna. 26Ira ilay Jairita no mpanolo-tsaigna an'i Davida.
Chapter 21

1Nisy mosary nandritre ny telo taogna nisesy tamin'ny andron'i Davida, ary nandrembe ny tarehin'i Yaveh i Davida. Ka hoy Yaveh hoe: ''Eo aminareo io mosary io noho i Saoly sy ny fianakaviany mpamono olo, satria namono ireo Gibeonita ijy.''2Ary ireo Gibeonita die tsy avy amin'ny vahôkan'Israely; fa avy amin'ny sisan'ireo Amorita areo. Efa nifanta tsy hamono an-dreo ny vahôkan'Israely, kanefa niejake hamono an-dreo tamin'ny jotom-pony mandy i Saoly ho an'ireo vahôkan'Israely sy Joda. 3Noho ijany i Davida Mpanjaka die nangaike niarake ireo Gibeonita ary nijaka tamin-dreo hoe: ''Ino no tokony hataoko ho anareo? Ahôna no tokony hataoko ho anareo? Ahôna no hahafahako magnano fanavotana, mba hagnomejanareo tso-drano ireo vahôkan'i Yaveh, ijay mandova ny hatsarany sy ireo fampagnantenany?''Namaly an'ajy ireo Gabonita hoe: ''tsy resake volafotsy na volamena eo aminay sy Saoly na ny fianakaviany ijany. hôtran'ijany koa no tsy hamonoanay olo ao amin'ny Israely.'' Die namaly i Davida hoe: ''Ino no jakainareo fa tokony hataoko ho anareo?''5Namaly ny mpanjaka areo hoe: '' Ilay lelahy ijay niejake hamono anay abiaby, ijay nagnano tetike hanoherana anay, mba hopotika ahay ijao ary tsy hanagna toerana ao amin'ireo sisin-tanin'Israely-6 ôke hisy lelahy fito avy amin'ny taranagny hatolotre anay ary hagnantogna an-dreo eo ankatrehan'i Yaveh any Gibean'i Saoly, ilay raike nosafidin' Yaveh ahay.'' Die hoy ny mpanjaka hoe: ''Homeko anareo areo.''7Fa namindra fo tamin'i Mefiboseta janake lahin'i Jonatana janaka lahin'i Saoly ny mpanjaka, nohon'ny fifantan'i Yaveh teo amin-dreo, teo amin'i Davida sy Jonatana, janake lahin'i Saoly. 8Kanefa nalain'ny mpanjaka ireo janake roalahy an'i Rizpa janake vavin'i Aia, janagny avy amin'ny Saoly-Armony sy Mefiboseta no agnaran'ireo roa lahy: ary nalain'i Davida mandy koa ireo janake dimy lahin'i Mikala janake vavin'i Saoly, ijay avy amin'i Adriela janaka lahin'i Barzilay ilay Meholatita.9 Nataolony teo an-tagnan'ireo Gibeonita areo. nahaton-dreo tagny an-tety alohan'i Yaveh areo, ary niara-maty ijy fito. tamin'ny fotoam-pararano no namonoana an-dreo, nandritre ny andro vôlohany tamin'ny fiantombohan'ny fambelenjam-bary hordea.Avy eo Rizpa, janake vavin'i Aia, nangala sikigna fisaognana ary namelatre an'ijany ho an'ny tegnany teo amin'ny tety akekin'ireo vatagna manara, lahatamin'ny fiantombohan'ny fambelejana ka lahatamin'ny nilatsahan'ny orana teo amin-dreo avy agny an-danitra. Tsy navelany hagnakorontagna ireo rajagna ny vorogn'ny lanitra ny atoandro na ireo bibidia ny aligna. 11Nijakaina tamin'i Davida ijay nataon'i Rizpa, janaka vavin'i Aia, ilay vady andevon'i Saoly.12Noho ijany die nandeha i Davida ary nangala ny tôlagn'i Saoly sy ny tôlagn'i Jonatana janagny lahy teo amin'ireo lelahin'i Jabesi-gileada, ijay nangalatre ireo tao an-kianjan'ny daholobe tagny Beti-sana, tagny amin'ijay nagnantonan'ireo Filistina an-dreo, laha efa avy namono an'i Saoly tao Gilboa areo. Nalain'i Davida hiala tao ny taolagn'i13 Jonatana janagny lahy, ary nanangogna ny tolagn'ireo lelahy fito ijay nahantogna mandy koa areo.14Nalevin-dreo tagny amin'ny tanànan'i Benjamina tagny Zela ny tôlagn'i Saoly sy jonatana janagny, tao amin'ny fasan'i Kisy iabany. Nataon-dreo aby koa ijay abiaby nodidian'ny mpanjaka. Tafaran'ijany die novalian'Andriamanitra ny vavakan-dreo ho an'ny tany.15Avy ireo Filistina die nandeha niady tamin'Israely indraike. Noho ijany die nijotso niarake tamin'ny tafikany i Davida ary niady nanohitra an'ireo Filistina. Reraky ny ady i Davida. 16Jisbibenoba, taranaky ny Refaita, ijay nilanja telonjato sekely ny lefogna varahigna, ary ijay nanagna sabatre fitôvam-piadiana vaovao, die nikasa hamono an'i Davida. 17Kanefa Abisay janak'i Zeroia nagnavotre an'i Davida, nanafike ny Filistina, ary namono an'ajy. Avy eo ireo lelahin'i Davida nifanta tamin'ajy hoe: ''Tsy tokony handeha hiady hiarake aminay koa anao, mba tsy hamonoanao ny jiron'Israely.''18Ary tafaran'io die nisy ady niaraka tamin'ireo Filistina indraike tao Goba, laha novonoin'i Sibeka ilay Hosatita i Safa, ijay raike tamin'ny taranak'ireo Refaita. 19Die nisy ady indraike tamin'ireo Filistina tao Goba, ijay namonoan'i Elanana janaka lahin'i Jare ilay Betlehemita an'i Goliata ilay Gatita, ijay hôtran'ny vodi-tegnon'ny mpanegnona ny lefogny20Ary tamin'ny ady hafa tao Gata die nisy lelahy vaventy nanagna rantsan-tagnana enina isaky ny tagnany ary rantsan-kongotre enina isaky ny hongotre, efatra amby roapolo ny isany. Avy amin'ny taranaka Refaita mandy koa ijy. 21Laha nagneso an'Israely ijy, die novonoin'i Jonatana janaka lahin'i Simea, rahalahin'i Davida. 22Ireo no taranaka Refaita tao Gata, ary novonoin'ny tagnan'i Davida sy ny tagnan'ireo miaramilany ijy.
Chapter 22

1Nihira ho an'i Yaveh ireo jaka amin'itoy hira itoy tamin'ny andro ijay nagnavotan'i Yaveh an'ajy teo an-tagnan'ireo fahavalony abiaby, sy teo an-tagnan'i Saoly i Davida. 2Nivavaka ijy hoe: ''Yaveh no vatolampiko, fiarovana mafy ho an'ahy, ilay Raike ijay mamonjy an'ahy.3ndriamanitra no vatolampiko. Mialoke eo amin'ajy iaho. Ijy no fiarovako, ilay tandroky ny famonjena an'ahy, fiarovana mafy ho an'ahy, sy fialofako, ilay Raike ijay magnavotre an'ahy amin'ny herisetre.4 Hangaike an'i Yaveh, ijay mendrike ny ho deraina iaho, ka ho avotre amin'ireo fahavaloko iaho.5Fa nagnodidigna an'ahy ireo aloky ny fahafatesana, nagnafotre an'ahy ireo rano mikorian'ny fahapotehana. 6Nagnodidigna an'ahy ireo tadin'ny fiainan-tsy hita; namandrike an'ahy ireo fandriky ny fahafatesana.7Tamin'ny fahoriako no nangehako an'i Yaveh; nangaike an'Andriamanitro iaho; naharegne ny feoko avy tao an-tempoliny Ijy, ary tonga teo an-tsofiny ny haike vonjiko.8Die nihojogna sy nihovitre ny tany. Nihovitrovitra sy vôhojongojogna ny fioregnan'ny lanitra, satria vignitre Andriamanitra. 9Niakatre avy tamin'ny vavorogny ny setroke, ary afo miredareda no nivôke avy tamin'ny vavany. Vôrehitr'ijany ny vain'afo.10Nanokatre ny lanitra Ijy ka nijotso, ary ny enjim-pito ambany faladiany. 11Nideba Kerobima Ijy ka nijotso. Hita tegne agn'elatry ny rivotre Ijy. 12Nataony ho lay nagnodidigna an'Ajy ny enjigna, nagnangogna rahon'oragna matevigna tegne amin'ireo habakabaka ijy.13Avy tamin'ny tselatra teo ankatrehany no nilatsahan'ny vain'afo. 14Yaveh nampikotroka avy tagny an-danitra. Nihiake mahare ilay Avo Indrindrake.15 Nandefa jana-tsipike Ijy ka nampiboely an'ireo fahavalony- nandefa tsela-pahajavana ka nagnaparitake an-dreo.16Avy eo die nibôke ny fantson-drano; niharihary tamin'ny hiakan'adin'i Yaveh ny fagnambanin'ijao tontolo ijao, tamin'ny fipoahan'ny fofonain'ny vavorony.17jotso avy tagny ambony Ijy; nitajogna mahare an'ahy Ijy! Nandrirotre an'ahy tamin'ny rano magnonja Ijy. 18Namonjy an'ahy tamin'ny fahavaloko matanjaka Ijy, tamin'ireo ijay nankahala an'ahy, satria tena matanjaka areo tamin'ahy.19nga nanohitre an'ahy areo tamin'ny androm-pahoriako, kanefa Yaveh no mpanohana an'ahy.20 Namôke an'ahy ho agny amin'ny toerana midadasike mandy koa Ijy. Namonjy an'ahy Ijy satria faly tamin'ahy. 21Efa namaly soa an'ahy tamin'ny refin'ny fahamarinako Yaveh; efa nampody an'ahy tamin'ny lôniny tamin'ny refin'ny fahadiovan'ny tagnako Ijy.22Fa efa nitandrigna ireo lalagn'i Yaveh iaho ary tsy nagnano ijay ratsy tamin'ny fialana tamin'ny Andriamanitro. 23Satria ireo didiny marina abiaby die efa teo alohako; laha ny amin'ireo lalàny koja die tsy nivily tamin'iregne iaho.24Efa tsy nanan-tsiny teo ankatrehany mandy koa iaho, ary nitandrigna ny tegnako tsy hanota iaho. 25Noho ijany die napodin Yaveh tamin'ny lôniny tamin'ny refin'ny fahamarinako iaho, tamin'ny refiny fahadiovako teo imasony.26Ho an'ny raike ijay mahatoky, mampibôke ny tegnanao ho mahatoky Anao; ho an'ny olo ijay tsy manan-tsiny, die mampibôke ny tegnanao ho tsy manan-tsiny Anao. 27Amin'ny madio die mampiboke ny tegnanao ho madio Anao, fa mivadike amin'ireo mpiolakolaka Anao.28Magnavotre ireo olo ory Anao, nefa ireo masonao die manohitre ny mpirehareha, ary atrehinao ijy iregne. 29Fa anao no faniloko, ry Yaveh. Magnajava ny enjignako Yaveh.30Fa noho Anao die afake mihajakajake mihôtre ny sakagna iaho; noho ilay Andriamanitro die afake mandingagna rindrigna iaho. 31Laha ny amin'Andriamanitra, tanterake ny lalagny. Madio ny jakan'i Yaveh. Ijy no fiarovana ho an'ireo abiaby ijay mialoke amin'Ajy.32Fa ija no Andriamanitra afa-tsy Yaveh, ary ija no vatolampy afa-tsy ny Andriamanintsena? 33Andriamanitra no fialofako, ary mitarike ny olo tsy manan-tsiny amin'ny lalagny Ijy.34Mampalaky ny hongotro hôtran'ny diera Ijy ary mametrake an'ahy egne amin'ny tany ambo. 35Magnajatre ny tagnako amin'ny ady Ijy, sy ny sandriko hamoritre tsipike varahigna.36Efa nagnome an'ahy ny fialofan'ny famonjena Anao, ary ny sitrakao no nanagno an'ahy ho lehibe. 37Efa nagnano toerana midadasike ho an'ny hongotro teo ambaniko Anao, ka tsy nibolisatre ny tongotro.38gnanjaka ireo fahavaloko iaho ka namotike an-dreo. Tsy nipody mandra-pahapotikan-dreo. 39Nandevogna an-dreo sy namotipotika an-dreo; ka tsy afake nitsangagna areo. Lavo tao ambany faladiako areo.40Nametrake hery tao amin'ahy hôtran'ny fehinkibo ho amin'ny ady Anao; nametrake ireo ijay nitsangagna hanohitre teo ambaniko Anao. 41Nagnome an'ahy ny hatok'ireo fahavaloko Anao; nandringagna ireo ijay nankahala an'ahy iaho.42Nangaike vonjy areo, kanefa tsy nisy nagnavotre an-dreo; nangaike mahare an'i Yaveh areo, kanefa tsy namaly an-dreo ijy.43 Namely an-dreo ho singa madinike hôtrin'ny vovoke amin'ny tany iaho, notorotoroiko hotran'ny fotake egne amin'ny lalagna areo.44Efa namonjy an'ahy tamin'ny fifandiran'ireo vahôkako mandy koa Anao. Efa notananao ho lohan'ireo firenena iaho. Ny vahôka ijay tsy fantatro die manompo an'ahy. 45Noterena hiankohoke tamin'ahy ireo vahiny. Vantany vô naharegne ny momba an'ahy areo, die nankato an'ahy. 46Ireo vahiny die nivôke am-pangovitana tao amin'ny fiarovana mafin-dreo.47Velogna i Yaveh! Ho deraina anie ny vatolampiko. Asandratre anie Andriamanitra, ilay vatolampin'ny famonjena an'ahy. 48Ijany no Andriamanitra ijay magnantanteraka famaliana ho an'ahy, ilay Raike Ijay mampietry vahôke rahabe eo ambaniko. 49Magnafaka an'ahy amin'ireo fahavaloko Ijy. Nanadratre an'ahy ho ambonin'ireo ijay nitsangagna hanohitre an'ahy tokôtre Ijy. Mamonjy an'ahy amin'ireo lelahy mahery setre Anao.50Noho ijany die hanolotra fisaorana ho Anao, eo amin'ireo firenena iaho, ry Yaveh; hihira fiderana ho an'ny agnaranao iaho. 51Andriamanitra magnome fandresena lehibe ho an'ny mpanjakany; ary mampibôke ny tsy fivadiham-pagnekeny amin'ilay vôhosony Ijy, ho an'i Davida sy ho an'ny taranagny mandrakijay
Chapter 23

1Ireto ny jakan'i Davida farany - Davida janaka lahin'i Jese, ilay lelahy tena nomem-boninahitre, ilay lelahy ijay vôhosotry ny Andriamanitr'i Jakoba, ilay mpagnao salamo mahafinaritry ny Israely.2 ''Ny fanahin'i Yaveh nijaka tamin'ny alalako ny jakany.3Ijaka ny Andriamanitr'Isarely nijaka tamin'ahy ilay Vatolampin'Israely hoe: 'Ilay manapaka ny olo amin'ny fahamarinana, ilay manapaka amin'ny fahatahorana an'Andriamanitra. 4Ijy die ho hôtrany fahajavan'ny maraigna laha mipôake ny masoandro, maraigna tsy misy rahogna; laha mitsimoke avy amin'ny tany ny ahi-metso amin'ny alalagn'ny famirapiratan'ny masoandro afaran'ny oragna.5Eka tokôtre, tsy hôtran'ijany eo ankatrehan'Andriamanitra ve ny ankohonako? Tsy efa nagnano fanekena mandrakijay, vôlahatre sy ajo antoke amin'ny fomba abiaby tamin'ahy ve IJy? Moa tsy mampitombo ny famonjena an'ahy sy magnantanteraka ny fagniriako abiaby ve Ijy?6Kanefa ny tsy mendrike die ho hôtran'ny tsilo ariana aby koa, satria tsy vôangon'ny tagnan'ny olo iregne. 7Ny olo ijay mikasika an-dreo die tsy mentsy mampiasa fitôvana vita amin'ny vy na jana-tsipikan-defogna. Tsy mentsy orôna eo amin'ijay itoerany iregne.'''8Ito aby ny agnaran'ireo miaramila sangan'i Davida: Josebala ilay Takemonita no mpitarika ireo miaramila sangany. Nahafaty lelahy valonjato tao agnatin'ny ady raike ijy.9Magnarakarake an'ajy i Eleazara, janake lahin'i Dodo, janaka lahin'i Ahohita, raike amin'ireo lelahy telo maherin'i Davida. Teo ijy tamin'ny nandresen-dreo ny Filistina ijay niangogna niarake mba hiady, sy tamin'ny nihemoran'ny lelahin'Israely. 10Nitsangagna i Eleazara ary niady tamin'ny Filistina mandra-pahavijaka ny tagnany. ary nirekitre teo amin'ny tahon'ny sabany ny tagnany. Nitondra fandresena lehibe tamin'ijany andro ijany i Yaveh. Nipody nagnaraka an'i Eleazara ny tafike, mba hitsimpogna ijay amin'ireo faty fotsiny mandy.11gnarakarake an'ajy i Sama janake lahin'i Age, ilay Hararita. Niara-niangogna teo amin'ijay nisy tanim-boanemba ny Filistina, ary ny tafika nilefa an-dreo. 12Fa i Sama koja nitsangagna teo agnivon'ny haregnana ary niaro an'ijany. Novonoiny ny Filistina, ary nitondra fandresena lehibe Yaveh.13Ny telo tamin'ireo miaramila telopolo die nijotso tagny amin'i Davida tamin'ny fotôgnan'ny fararano, tao amin'ny zohin'i Adolama. Nitoby teo amin'ny Lohasahan'i Refaita ny tafik'ireo Filistina. 14Tamin'ijany fotôgna ijany i Davida die tao amin'ny fiarovany mafy, johy raike, laha nitoetra tao betlehema ny Filistina.15Nandrembe rano i Davida ka hoy ijy hoe: ''Laha mba misy olo magnome an'ahy rano hinomina avy amin'ny lava-drano ao Betlehema, ilay lava-drano eo akekin'ny vavahady ijao!'' 16Koa die namakivaky ny tafiky ny Filistina ireo telo lahy mahery ireo nangala rano avy tao amin'ny lava-dranon'i Betlehema, ilay lava-drano eo akekin'ny vavahady. nalain-dreo ny rano ary nindôsiny tagny amin'i Davida, kanefa nanda tsy hinogna an'ijany ijy. Fa nararany ho an'i Yaveh koja ijany. 17Avy eo die hoy ijy hoe: ''Ry Yaveh, sanatria, laha hagnano an'ijany iaho. Tokony hinogna ny ran'ireo lelahy ijay nagnano sorogna ny aigny ve iaho?'' Ka die nanda tsy hinogna an'ijany ijy. Ireo raha ireo no nataon'ireo telo mahery?18Abisay, rahalahin'i Joaba ary janake lahin'i Zeroia, no kapitenin-dreo telo. Niady tamin'ireo telo arivo lahy ijy ary namono an-dreo tamin'ny lefogna. Vôtognona matetike niarake tamin'ireo miaramila telo ijy. 19Tsy nalaja noho ireo telo lahy ve ijy? Natao kapitenin-dreo ijy. Kanefa; ny lajany die tsy nitovy tamin'ny lajan'ireo miaramila telo lahy malaja indrindra.20Benaia avy agny Kabezela die janaka lahin'i Joiada: ijy die lelahy matanjaka ijay nagnano asa lehibe. Namono ny janaka roa lahin'i Ariela tagny Moaba ijy. Nijotso tao agnaty lavaka mandy koa ijy ary namono liogna laha mbola nisy oram-panala igny. 21Ary namono lelahy Egyptiana rahabe ijy. Nanagna lefogna tegny an-tagnany ilay Egyptiana, kanefa tamin'ny tehigna mandy no niadian'i Benaia tamin'ajy. Nalainy tegne amin'ny tagnan'ilay Egyptiana ny lefogna ary tamin'ny lefogny mandy no namonoany an'ajy.22Benaia janaka lahin'i Joiada no nagnano ijany asa lehibe ijany, ary nankalajaina niaraka tamin'ireo telo lahy mahery ijy. 23Nalaja noho ireo miaramila telopolo ijy amin'ny ankapobeny, kanefa tsy die tena nalaja hôtran'ireo miaramila telo sangany indrindrake. Nefa i Davida nampiandrekitre an'ajy ho mpiambigna an'ajy.24Agnisan'ireo telopolo ireto lelahy magnaraka ireto: Asahela rahalahin'i Joaba, Elanana janaka lahin'i Dodo avy agny Betlehema, 25Sama ilay Harodita, Elika ilay Harodita, 26Heleza ilay Patita, Ira janaka lahin'Ikesy ilay Tekoita,27 Abiezera ilay Anatotita, Mebonay ilay Hosatita, 28Zalmona ilay Ahohita, Maharay ilay Netofatita;29Haleba janaka lahin'i Bana ilay Netofatita, Itahy janaka lahin'i Ribay avy agny Gibean'ny Taranak'i Benjamina,30 Benaia ilay Piratonita, Hiday avy amin'ny lohasahan'ny Gasy. 31Abi -albona ilay Arbatita, Azmaveta ilay Psaromita, 32Eliaba ilay Salbonita, janaka lahin'i Jasena, Jonatana janaka lahin'i Sama ilay Hararita;33Ahiama janaka lahin'i Sarara ilay Hararita, 34Elifeleta janaka lahin'i Ahasbay ilay Makakita, Eliama janaka lahin'i Ahitofela ilay Gilonita, 35Hezray ilay Karmelita, Paray ilay Arbita, 36Jigala janaka lahin'i Natana avy agny Zoba, Bany avy amin'ny fokon'ny Gadita,37Zaleka ilay Amonita, Naharay ilay berotita, mpitondra fitôvam-piadiana ho an'i Joaba janaka lahin'i Zeroia, 38Ira ilay Jitrita, Gareba ilay Jitrita, 39Oria ilay Hetita-Fito amby telopolo ijy abiaby.
Chapter 24

1ie nirehitre tamin'Israely indraike ny havigniran'i Yaveh, nataony nanohitre an-dreo i Davida nagnao hoe: ''Mandehana, isao ny Israely sy Joda.''2 Nijaka tamin'i Joaba mpifehy ny tafika, ijay niarake tamin'ajy ny mpanjaka hoe: ''Mandehana magnerana ny fokon'Israely abiaby, manomboke agny Dana ka lahatagny Beri-sheba, ary isao ny olo abiaby, mba hahafantarako ny fitambaran'ny isan'ireo lelahy sahaja ho an'ny ady.''3Hoy i Joaba tamin'ny mpanjaka hoe: ''Afake mampitombo ny isan'ny vahôke injato ve Yaveh Andriamanitrao, ary afaka mijaha ny fitrangan'ijany ve ny mason'ny mpanjaka tompoko. Nefa nagnino no magniry an'ijany ny mpanjaka tompoko?''4 Na die ijany aja, ny jakan'ny mpanjaka die nanohitre an'i Joaba sy nanohitre ireo mpifehy ny tafika ny farany. ka nivôke teo amin'ny fagnatrehan'ny mpanjaka i Joaba sy ireo mpifehy mba hanisa ny vahôkan'Israely.5Nitsake an'i Jordana ary nitoby tao akekin'i Aroera, atsimon'ny tanàna agny an-dohasaha areo. die nandroso lahatagny Gada ka lahatagny Jazera areo.6 Tonga tagny Gileada sy tagny amin'ny tanin 'i Tatima-hodsy areo, avy eo die tagny Danajana ary nagnodidigna lahatagny Sidona. 7Tonga tagny amin'ny fiarovana mafin'i Tyro sy ny tanànan'ny Hivita sy ny Kananita abiaby areo. Avy eo nivôke nenga agny Negeva agny Joda ao beri-sheba areo.8Ka laha efa avy nitety ny tany abiaby areo, die nipody tagny Jerosalema areo tamin'ny faran'ny sivy volagna sy roapolo andro.9 Die nitatitra ny fitambaran'isan'ireo lelahy mpiady tany amin'ny mpanjaka i Joaba. Nisy lelahy be herim-po 800.000 ijay nagnatsôke sabatra tao amin'Israely, ary ireo lelahin'i Joda die lelahin'i Joda lelahy 500.000.10Die nampahory an'ajy ny fon'i Davida laha avy nagnisa ireo lelahy ijy. ka nijaka tamin'i Yaveh ijy hoe: ''Nagnota tanteraka tamin'ny fanôvana an'ijany iaho. Ankehitriny, ry Yaveh, alay ny heloky ny mpanomponao, fa efa nagnao hadalana tokôtre iaho.''11Laha nifoha i Davida ny maraigna, die tonga tamin'i Gada mpaminany, mpahitan'i Davida ny jakan'i Yaveh, nagnano hoe: 12''Andagny jakao amin'i Davida hoe: 'Ijao no jakain'i Yaveh: ''Magnome safidy telo anao Iaho. Ka misafidiana raike amin'ireo.'''13Die nenga agny amin'i Davida i Gada ka nijaka tamin'ajy hoe: ''Mosary telo taogna ve no ho tonga aminao ao amin'ny taninao? Sa hilefa telo volagna ireo fahavolanao ve anao laha magnanjaka anao areo? sa hisy areti-mandringagna telo andro ao amin'ny taninao? Ankehitriny manapaha hevitre ny amin'ijay valiny tokony havalliko an'Ajy ilay nagniraka an'ahy.''14Die hoy i Davida tamin'i Gada hoe:'' Ao agnaty fikorontagnana tanterake iaho. Ôke antsena ho lavo eo an-tagnan'i Yaveh hôtran'ijay eo an-tagnan'olo, satria lehibe ny famindram-pony.''15Ka nadefa areti-mandringagna teo amin'Israely nanomboka ny maraina ka lahatamin'ny fotôgna vôtondro i Yaveh, ary olo fito aligna no maty nanomboka tao Dana ka lahatagny Beri-sheba. 16Laha efa nangampatre ny tagnany nenga agny Jerosalema mba hamotike ijany ny anjely, die niova hevitre noho ijay ratsy haterak'ijany i Yaveh, ka nijaka tamin'ny anjely ijay namotike ny olo Ijy hoe: ''Ampy ijay! Ahemory ny tagnanao ijao.'' Tamin'io fotôgna io ny anjalin'i Yaveh die nitsangagna teo am-pamiham-barin'i Araona Jebosita.17Die nivoria tamin'i Yaveh Davida laha efa nahita ny anjely ijay namely ny vahôke, ary nagnao hoe: ''Efa nanota iaho, ary ratsy fitondran-tegna. Nefa ireo ondry ireo, ino no nataony?'' Ôke mba iaho sy ny ankohonan'iabako no ho sajin'ny tagnano!''18Avy eo die tonga teo amin'ny Davida tamin'io andro io i Gada ary nijaka tamin'ajy hoe: ''Miakara ary magnamboara alitara ho an'i Yaveh eo am-pamiham-barin'i Araona ilay Jebosita.''19 Die niakatre arak'ijay nandidian'i Gada an'ajy ho ataony i Davida, araka ijay nandidian'i Yaveh. 20Nijaha tagny ivelany Araona ary nahita ny mpanjaka sy ireo mpanompony nagnatogna. Die nivôke i Araona ary nampiankohoke ny tarehiny teo amin'ny tany teo amin'ny mpanjaka21Die hoy i Araona hoe: ''Nagnino no tonga eto amin'ahy, mpanompony, ny mpanjaka tompoko?'' Namaly i Davida hoe: ''Hivanga ny famiham-barinao mba hahafahako magnambôtre alitara ho an'i Yaveh, mba hialan'ny areti-mandringagna eo amin'ny vahôke. '' 22Hoy i Araona tamin'i Davida hoe: ''Atôvy hôtriny anao ijany, ry mpanjaka tompoko. Atôvy amin'ijany ijay tsara eo imasonao. Io, indreto misy aomby atao fanatitra orôna sy famiham-bary ary ziogan'aomby atao hitay. 23Ireo abiaby ireo ry mpanjakako, iaho, Araona, die hagnome anao an'ijany.'' Die hoy ijy tamin'ilay mpanjaka hoe:''Hagneky anao anie Yaveh Andriamanitrao.''24Hoy ny mpanjaka tamin'i Araona hoe: ''Tsiary, hivangaiko amin'ny vangany ijany. Tsy hanolotre fanatitre orôna ho an'i Yaveh amin'ny raha ijay tsy nisasarako iaho.'' Koa nivangain'i Davida sekely volafotsy dimampolo ny famiham-bary sy ireo aomby. 25Nagnambôtre alitara ho an'i Yaveh tao Davida ary nanolotre fanatitre orôna sy fanati-pihavanagna teo amin'ijany. Die nitalaho tamin'i Yaveh ho an'ny tany areo, ka nampitsahatre ny areti-mandringagna magnerana an'Israely Ijy.

1 Kings

Chapter 1

1Laha tena antitra i Davida mpanjaka, dia nirakofan-dreo tamin'ny bodofotsy ijy, kanefa tsy nety nahajo hafanana. 2Ka hoy ny mpanompony taminaje: "Aleo atsena handremby tanora viavy virijiny hôn'ny mpanjaka tompontsena. Aleo ijy hanompo an'ny mpanjaka sady hikarakara anaje. Aleo ijy hatory an-sandriny ba hagnafana an'ny mpanjaka tompotsena."3Dia nandremby viavy tovovavy erakin'ny fari-tanin'Israely areo. Nahita an'i Abisaga Sonemita areo ka nitondsra anajy tagny amin'ny mpanjaka. 4Tena tovovavy tokôtra moa io viavy io. Nanompo an'ny mpanjaka sady nikarakara anajy ijy, nefa tsy nagnano firesana ara-nofo taminajy mpanjaka.5Tamijany fotôgna jane, i Adonia janaka lahin'i Hagita dia nanangagna ny tegnane, nagnano hoe: "Aho no ho mpanjaka." Ka nagnomagna kalesa sy mpideba sôvaly niaraka tamin'ny dimampolo lahy ba handeha heloha lalagna anajy ijy. 6Iabany die tsy bola nagnakoronta-saigna anaje, nagnano hoe; "Nahôna anao nagnano an'ijao na jao?" I Adonia dia lelahy tena tovolahy, teraka nagnarakaraka an'i Absaloma.7Nivoria tamin'i Joaba janak'i Zeroia sy tamin'i Abiatara mpisorogna ijy. Nagnaraka an'i Adonia areo ka nitahy anaje. 8Fa i Zadoka mpisorogna, sy Benaia janak'i Joiada, sy Natana mpaminagny, Simey, Rey, ary ny lelahy mahery jay an'i Davida koja die tsy ba nagnaraka an'i Adonia.9Ary Adonia nagnano sorogna ondry sy osy, aomby sy janak'aomby mifahy narivo ny vaton'i Zoheleta, jay agnilan'i En-rogela teo. Nilajany aby rahalahiny abiaby, jay janaka lahin'ny mpanjaka, ary jay lelahin'i Joda abiaby, sy jay mpanompon'ny mpanjaka. 10Nefa tsy nilaja tamin'i Natana mpaminagny, sy Benaia sy jay lelahy mahere, na i Solomona rahalahiny ijy.11Ary Natana nijaka tamin'i Batseba endrin'i Solomona, nagnano hoe: "Bola tsy regninao ve fa lasa mpanjaka i Adonia janaka lahin'i Hagita, ka tsy mahafantatra anijany i Davida tompontsena? 12Noho jany die abilay aho hanoro hevitra anao jao, ba hamonjenao ny aignao sy ny ain'gni Solomona janaka lahinao.13Mandihana mandeha amin'i Davida mpanjaka; lajay aminajy hoe: 'Ô mpanjaka tompoko, anao ve tsy nieniegna tamin'ny mpanomponao, nagnano hoe: "Ajo antoka fa i Solomona janaka lahy no hanjaka handimby anahe, sady hipetraka amin'ny seja fiendriagnanao eo ijy?" ka nahôna no i Adonia no manjaka?' 14Laha bola mivoria amin'ny mpanjaka egny anao, die ho avy afaranao ao aho ka hagnamafy jay jakanao."15Ka nandeha amin'ny efitragnon'ny mpanjaka i Batseba. Efa antitra be ny mpanjaka, ka i Abisaga Sonemita no nanompo an'ny mpanjaka. 16Nagnondrika ijy sady nandohalika talohan'ny mpanjaka teo i Batseba. 17Die hoy ny mpanjaka hoe: "Ino no irienao?" Die hoy ijy taminaje: "Ô mpanjaka, anao nieniegna tamin'ny mpanomponao tamin'ny alalan'i Yaveh Andremanitrao, nilaja hoe: 'Ajo antoka tokôtra fa i Solomona janaka lahinao no hanjaka handimby anahe, ka hipetraka amin'ny seja fiendriagnako eto ijy.'18Amijao, io, Adonia no mpanjaka, ary anao, a mpanjaka tompoko, dia tsy mahalala anijane. 19Nagnano sorogna aombe, janak'aomby mifahe, sy ondry miaraka amin'aosy rahabe ijy, ka nilajatamin'ny janaka lahin'ny mpanjaka abiaby, Abiatara mpisorogna, sy Joaba kapitenin'ny tafika, kanefa tsy nilaja tamin'i Solomona mpanomponao ijy.20Fa laha neminao, a mpanjaka tompoko, ny mason'Israely abiaby die aminao eo, mandigny anao ba hilaja amin-dreo hoe ija no hipetraka amin'ny seja fiendriagnanao eo ba handimby anao, a mpanajaka. 21Fa laha tsy jane, die hipody ahay amin'i Solomona janakao, laha hodimandry miaraka amin'ny rajagny ny mpanjaka tompoko."22Ary laha bola nivoria tamin'ny mpanjaka ijy, die niditra i Natana mpaminagny. 23Je mpanompo nijaka tamin'ny mpanjaka hoe: "Io i Natana mpaminagny." Laha nandroso talohan'ny mpanjaka ijy, dia nampekohoka an'ny tegnany talohan'ny mpanjaka sady nihohoka tamin'ny tany tarehine.24Hoy i Natana: "Ô mpanjaka tompoko, nilaja ve anao hoe: 'I Adonia no hanjaka handimby anahe, ary hitoboka amin'ny seja fiendriagnako ijy?' 25Satria nandeha nidigna ijy niany sady angnano sorogna aombe, sy janak'aomby rahabe, sady nanasa ny janaky ny mpnjaka abiaby, jay kapitenin'ny tafika abiaby, die i Abiatara mpisorogna. Mihinagna sady minogna alohany areo, ka sady mijaka hoe: "Ho ela velogna anie i Adonia mpanjaka!"26Fa aho, mpanomponao, sy Zadoka mpisorogna, Benaia janaka lahin'i Joiada, ary Solomona mpanomponao, dia tsy nilajany ahay. 27Die nagnano anijany ka tsy nijaka taminay, mpanomponao, jay tokony hitoboka amin'ny seja fiendrignana handimby anajy eo ve ny mpanjaka tompoko?"28Dia namaly i Davida mpanjaka ka nagnano hoe: "Angiho hipody aminahy eto i Batseba." Dia niditra tagnatrehan'ny mpanjaka ijy ka nitsangagna talohan'ny mpanjaka teo. 29Nagnano voady ny mpanjaka ka nagnano hoe: "Laha bola velogna koa i Yaveh, jay nagnafaka anahy tamin'ny olagna abiaby, 30hôtran'ny nanôvako voady taminao tamin'ny alalan'i Yaveh, jay Andremanitr'Israely, ,anao hoe: "Hanjaka handimby anahy i Solomona janakao, sady hitoboka amin'ny seja fiendriagnako amin'ny toerako eo ijy,' dia hatako ijany niany.' 31Die nagnondrika ny tarehiny tamin'ny tany i Batseba, ary nampenkohoka ny tegnany talohan'ny mpanjaka nagnano hoe: "Ho velogna mandrakijay anie Davida mpanjaka tompoko!"32Hoy Davida mpanjaka hoe: "Angiho aminahy i Zadoka mpisorogna, sy Natana mpaminagny, ary Benaia janak'i Joiada." Ka nandeha agnatrehan'ny mpanjaka areo. 33Die hoy ny mpanjaka tamin-dreo hoe: "Andôsy miaraka aminareo ny mpanompon'ny tomponareo, sady ampidebay n'empondrako i Solomona janako lahy ka andôsy midigna a Gihona ijy. 34Aleo i Zadoka mpisorogna sy Natana mpaminagny hagnosotra anajy ho mpanjaka amin'ny Israely eo ka hitsioka n'entsiva ka hanao hoe: "Ho ela velogna anie i Solomona mpanjaka!"35Die hiakatra hagnaraka anajy anareo, ka hiditra sy hitoboka amin'ny seja fiendrianako eo ijy; satria ho mpanjaka amin'ny toerako eo ijy. Aho efa nanendry anajy ho mpitondra amin'ny Israely sy Joda eo." 36Die namaly ny mpanjaka i Benaia janak'i Joiada, ka nagnano hoe: "Ho tanteraka anie jane! Hihamafisin'Yaveh, Andremanitry ny mpanjaka tompoko, anie jane. 37Hôtran'ny nomàn'i Yaveh mpanjaka tompoko anie, no hagnombane an'i Solomona koa, sady hatany angeja be noho ny seja fiendrianan'i Davida mpanjaka tompoko ny seja fiendriagnanay."38Ka nenga nidigna niaraka tamin'i Solomona nideba n'epondran'i Davida mpanjaka i Zadoka mpisorogna, Natana mpaminagny, Benaia janak'i Joiada, sy ny Keretita, ary ny Peletita, nandan-dreo nidigna ta-Gihona ijy. 39Nangala ny tandroka misy menaka hatamin'ny lay i Zadoka mpisorogna sady nagnosotra an'i Solomona. Dia nitsofon-dreo n'entsiva, ary hoy ny olo abiaby hoe: "Ho ela velogna anie Solomona mpanjaka!" 40Aviteo dia niakatra nagnaraka anajy ny vahôka abiaby, sady nitsioka antsodigna ny vahôka sady niravoravo tamin'ny fifalena be, ka nihojongojogna nohon'ny feon-dreo ny tane.41Ary i Adonia sy ny vahiny abiaby jay niaraka taminajy naharegny anijany laha avy nihinagna areo. Laha naharegny ny feon'entsiva i Joaba, dia hoy ijy hoe: "Magnino no misy fandrignenana eto amin'ny tanàna?" 42Laha bola nijaka ijy, dia avy i Jonatana janak'i Abiatara mpisorogna. Hoy i Adonia hoe: "Mandrosoa, fa lelahy mendri-kaja anao sady mitondra vôvao mahafale."43Dia namaly i Jonatana ka nijaka tamin'i Adonia hoe: "Davida mpanjaka tompotsena efa nanao an'i Solomona ho mpanjaka, 44ary mpanjaka efa nagniraka an'i Zadoka mpisorogna, Natana mpaminagny, sy Benaia janak'i Joiada, ary ny Keretita sy ny Peletita? Efa nampideban-dreo ny ampondran'ny mpanjaka i Solomona. 45Zadoka mpisoragna sy Natana mpaminagny diefa nagnosotra anajy ho mpanjaka ta-Gihona, sady niakatra tamim-pifalena hatagne, farany ka agnaty fandrignenana ny tanàna. Jany ny fandrignenana regninao.46Ary nitobola amin'ny seja fiendriagnan'ny mpanjaka teo mandy koa i Solomona. 47Fagnampin'ijane, dia nitsodrano an'i Davida mpanjaka tompontsena ny mpanompon'ny mpanajaka, nagnano hoe: "Hatan'Endremanitrao tsara noho n'egnaranaoi anie n'egnaran'i Solomona, sady hatany lehibe noho ny seja fiendriagnanao anie ny seja fiendriagnane.' Die nenkohoka tamin'ny fandreny n'empanjaka. 48Die hoy koa n'empanjaka hoe: "Deraina anie Yaveh, jay Andremanitry ny Israely, jay nagnome olo raika hitoboka amin'ny seja fiendrignako amijao andro jao, ka afaka mahita anijany ny masoko."'49Die reki-tahotra ny vahinin'i ,Adonia abiaby. Dia nitsangagna areo ka samy nandeha tamin'ny lalagny aby. 50Ary i Adonia dia natahotra an'i Solomona ka nitsangagna, nandeha, sady nitagna ny tandroky ny alitara. 51Aviteo die nambara tamin'i Solomona jane, nanao hoe: "Ito, matahotra an'i Solomona mpanjaka i Adonia, satria nitagna ny tandroky ny alitara ijy, nagnano hoe, 'Aleo i Solomona mpanjaka hiniegna aminahy meloha fa tsy hamono ny mpanompony amin'ny mesa ijy.'"52Die hoy i Solomona: "Laha hanoro ny hatanjahany amin'ny maha lelahy mendri-kaja ijy, na dia singam-bolony raika aja hilatsaka amin'ny tane, fa laha faharatsena koja no hita aminajy ao, dia ho faty ijy." 53Die nagniraka olo i Solomona mpanjaka, jay nitondra an'i Adonia nidigna hatamin'ny alitara. Diavy ijy ka nandohalika tamin'i Solomona Mpanjaka teo, ary hoy i Solomona taminaje: "Mandihana an-dragnonao agne."
Chapter 2

1Laha marivo ny andro nahafatesan'i Davida, dia nandidy an'i Solomona janagny ijy, nagnano hoe: 2"Handeha amin'ny lalan'ny tany abiaby aho. Matanjaha, noho jane, sady aboahy fa lelahy ny tegnanao. 3Tàno ny didin'i Yaveh Andremanitrao jay mandeha amin'ny lalane, ankatoavy ny lalàne, ny fanapahan-kevine, ary ny didim-pagnekene, mitandrema amijay vôsoratra amin'ny lalàn'i Mosesy ao, ba hambinina amijay rehetra atanao anao, na aja na aja alehanao, 4ba hahafahan'i Yaveh magnantanteraka ny jakany jay nilajainy mikasika anahy, magnano hoe: 'Laha mijery tsara ny fitondran-tegnan'ny janakao lahy, sady handeha alohako eo am-pahatokisana miaraka amin'ny fo sy fagnahin-dreo manontolo areo, dia tsy hiegnina ny hanagna lelahy amin'ny seja fiendriagnan'Israely eo anao.'5Anao hiany koa dia mahafantatra anijay natan'i Joaba janak'i Zeroia taminahe, ary jay natany tamin'ny mpifehy rolahiteon'ny tafik'Israely, dia tamin'i Abnera janaka lahin'i Nera, ary tamin 'i Amasa janaka lahin'i Jetera, jay nivonine. Nijarainy tamim-pedanana ny ràn'ady ka napetagny tamin'ny fehin-kibo nagnodidigna teo ny valahagny sy tamin'ny kapa tan-kongony ny ràn'ady. 6Mifagnaraha amin'i Joaba amin'elalan'ny fahendrena efa nenaranao, nefa aja avela hidigna agny amin'ny fasagna am-pedanana ny volo fotsine.7Na dia jany aja, manehoa hatsaram-pagnahy amin'ny janaka lahin'i Barzilay Giledita, ary avilay ho isan'ijay hihinagna an-databatrao eo areo, fa avy taminahy areo laha nilefa hatagny amin'i Absaloma rahalahinao aho.8Ito, efa miaraka aminao i Simey janaka lahin'i Gera, jay Benjamita hata-Bahorima agne, jay nagnojogna anahy tamin'ny ojogna mahery vaika tamin'ny andro nandihanako ta-Mahanaima. Dia nidigna hihaogna taminahy ta-Jordana i Simey, ka niaigna taminajy tamin'ny alalan'i Yaveh aho, nagnano hoe: 'Tsy hamono anao amin'ny mesa aho.' 9Ka amijao diaja avela ho afaka amin'ny sajy ijy. Lelahy hendry anao, ary ho fantatrao jay tokony hatanao aminaje. Handanao midigna amin'ny fasagna agny miaraka amin'ny rà ny volo fotsine."10Aviteo Davida dia maty niaraka tamin'ny rajambeny ka nalevigna tamin'ny tanànan'i Davida. 11Efapolo taogna teo ny fotôgna nanjakan'i Davida tamin'Israely teo. 12Nanjaka nandritra ny fito taogna ta-Hebrona ijy die ta-Jerosalema nandritra ny telopolo taogna. Ary nitoboka tamin'ny seja fiendriagnan'i Davida iaban'i Solomona teo, ka tafajoro tsara fitondràne.13Dia avy tamin'i Batseba iendrin'i Solomona tagny i Adonia janaka lahin'i Hagita. Hoy ijy hoe: "Avy ba hihavana ve anao?" Namaly ijy hoe: "Hihavana." 14Die hoy ijy hoe: "Misy raha hilajaiko anao." Ka namaly ijy hoe: "Lajay." 15Hoy Adonia hoe: "Fantatrao f'anahy ny fanjakana, sady ny Israely abiaby diefa nagnantegna anahy ho mpanjaka. Nefa niova ny raha abiaby, sady efa natolotra hôn'ny rahalahiko ny fanjakana, fefa anajy hatamin'i Yaveh jane.16ijao dia managna fangatahana raika aminao aho, ary aja lavina aho." Hoy Batseba taminajy hoe: "Lajay" 17Die hoy ijy: "Jakay i Solomona mpanjaka, fa tsy handao anao ijy, ba hahafahany magnome anahy an'i Abisaga jay Sonemita ba ho vadiko." 18Hoy Batseba: "Eka aré, hijaka amin'ny mpanjaka aho."19Noho jany dia nandeha tamin'i Solomona mpanjaka tagny i Batseba ba hijaka aminajy hôn'i Adonia. Die nitsangagna mpanjaka hihaogna taminajy sady niondrika taminajy teo. Aviteo dia nitoboka tamin'ny seja fiendriagnany ijy sady nanagna seja fiendriagnana nandany hôn'iendrin'ny mpanjaka. Die nitoboka tan-kavanany teo ijy. 20Sady hoy ijy: "Ba te-hanao fangatahana kelikely aminao aho, satria tsy nandà anahy anao." Die namaly anajy mpanjaka hoe: "Angataho, a iendriko, fa tsy handà anao aho." 21Die hoy ijy: "Aleo i Abisaga jay Sonemita ba hatolotra an'i Adonia rahalahinao ho vadine."22Namaly i Solomona mpanjaka ka nilaja tamin'iendriny hoe: "Nahôna anao mangataka an'i Abisaga Sonemita hôn'i Adonia? Nahôna anao tsy nangataka ny fanjakana hônajy koa, satria ijy lahimatoa__ hônaje, hôn'i Abiatara mpisorogna, ary hôn'i Joaba janaka lahin'i Zeroia ve?" 23Aviteo dia nieniegna tamin'i Yaveh i Solomona mpanjaka, nagnano hoe: "Enga anie Andremanitra hanao anijany aminahe, ary lalo be, laha tsy nanohitra ny aigny tamijany jaka jany i Adonia.24Ka noho jany raha bola velogna koa i Yaveh, jay nagnavela anahy sy nanao anahy tamin'ny seja fiendriagnan'i Davida iabako, sady efa nagnambôtra tragno hônahy araka ny nampanantenainy taminahe, dia ajo antoka fa hivonina i Adonia niany." 25Die nagniraka an'i Benaia janak'i Joiada i Solomona mpanjaka, ka nahita an'i Adonia i Benaia ka namono anaje.26Aviteo dia hoy Abiatara mpisorogna tamin'ny mpanjaka hoe: 'Mandihana a Anatota, amin'ny sahanao agny. Fa tsara aminao ny ho fatz, nefa tsy hamela anao ho maty amijao fotôgna jao aho, satria nitondra ny fiaran'i Yaveh Tompo tagnatrehan'i Davida iabako anao sady nijaly tamin'ny fomba abiaby nijalen'iabako." 27Ka niroahan'i Solomona tsy ho mpisoron'gni Yaveh i Abiatara, ka mety hagnatanteraka ny jakan'i Yaveh ijy, araka jay efa nivorianine momba ny ankohonan'i Ely ta-Silo tao.28Avy tamin'i Joaba tagny ny vôvao, fa Joaba nanohagna an'i Adonia, fa tsy nanohagna an'i Absaloma. Ka nilefa tamin'ny tragno lain'i Yaveh tagny i Joaba sady nitagna ny tandroky ny alitara. 29Nilajaina tamin'i Solomona Mpanjaka fa i Joaba dia nilefa tamin'ny tragno lain'i Yaveh tagne sady agnilan'ny alitara amijao. Aviteo dia nagniraka an'i Benaia janak"i Jehodia i Solomona, nagnano hoe: "Mandihana, vonoy ijy."30Ary avy tamin'ny tragno lain'i Yaveh tagne i Benaia ka nilaja taminajy hoe: "Hoy mpanjaka hoe: 'Mivoaha."' Namaly i Joaba hoe: "Iahe, ho maty eto aho. Ka dia nipody tamin'ny mpanjaka tagny i Benaia, nagnano hoe: "Nilaja i Joaba fa te-ho faty amin'ny alitara ao hoy ijy." 31Die hoy mpanjaka taminaje: "Amboary araka jay nilajaine. Vonio ijy die alivegnoa ba hahafahanao miala aminahy sy amin'ny taranak'iabako rà jay nalatsak'i Joaba tamin'ny tsisy antone.32Enga nie i Yaveh hagnampody ny ràny hôndohany eo, satria nanafika lelahy rolahiteo feno fahamarinana sady tsara noho ny tegany ijy sady namono an-dreo tamin'ny mes, dia i Abnera janaka lahin'i Nera, filohan'i tafik'Israely, sy Amasa janaka lahin'i Jetera, filohan'ny tafik'i Joda, sady tsy nahafantatra anijany i Davida iabako. 33Ka enganie ny ràn-dreo hipody an-dohan'i Joaba sy an-dohan'ny taranagny egny mandrakijay. Fa amin'i Davida sy ny taranagne, amin'ny fenakavene, ary amin'ny seja fiendriagnane, dia enga anie hisy fedanana mandrakijay hatamin'i Yaveh."34Aviteo i Benaia janak'i Jehodia niakatra die nanafika an'i Joaba ka namono anaje. Die nalevigna talin'ny tragnony tagn'efitra tagny hiany ijy. 35Nempanjaka dia nametraka an'i Benaia janak'i Joiada tamin'ny tafike hanolo toerane teo, sady hametraka an'i Zadoka mpisorogna tamin'ny toeran'i Abiatara.36Aviteo nempanjaka die nagniraka ka nampangaika an'i Simey, die nijaka taminajy hoe: "Magnamboara tragno raika a Jerosalema anao ka mipitraha agne, ka aja mivôka tao koa handeha an-toera-kafa. 37Fa amin'ny andro jay hivoahanao, sy handalovanao amin'ny lohasahan-drieke Kidrona egne, dia fantaro marina fa tena hivonina anao. Hômin'ny lohanao ny rànao." 38Ka hoy I Simey tamin'empanjaka hoe: "Tsara jay lajainao jay. Araka jay nilajain'empanjaka tompoko, dia hatanao mpanomponao." Die nabela ta-Jerosalema nandritra ny andro naharitra i Simey.39Fa laha tapitra ny telo taogna, dia nilefa tamin'i Akisa janak'i Maka mpanjakan'i Gata ny mpanompo rolahiteon'i Simey. Ka nivoria tamin'i Simey areo, nanao hoe: "Ito, ny mpanomponao dia a Gata." 40Die nitsangagna i Simey, ka nagnisy lasely borikiny ka nenga tamin'i Akisa ta-Gata tagny ba handremby ny mpanompony. Die handeha ijy ka nandany nipody hata-Gata io mpanompony rôlahy io.41Laha nijaka i Solomona fa i Simey dia nandeha hata-Jerosalema hô-Gata kefa nipody, 42die nagniraka sy nampangaika an'i Simey n'empanjaka, ka nanao tamijay hoe: "Tsy efa nampieniegna anao tamin'i Yaveh ve aho sady nijoro vavolombelogna taminao, nagnano hoe: 'Fantaro tanteraka jay ando hivoahanao sady hadihananao amin'ny toeran-kafa agny, fa tena ho maty anao'? Aviteo die hoy anao taminahy hoe: 'Tsara jay lajainao jay.'43Nahôna aré anao tsy mitagna ny fieniena tamin'i Yaveh sy beko jay nameko anao?" 44Hoy koa n'empanjaka tamin'i Simey: "Fantatrao am-ponao ao ny haratsiem-pagnahy abiaby jay natanao tamin'i Davida iabako. Noho jany die hampodin'i Yaveh ambony lohanao eo ny haratsem-pagnahinao.45Fa hitahina i Solomona mpanjaka sady seja fiendriagnan'i Davida dia habela agnatrehan'i Yaveh eo mandrakijay." 46Aviteo n'empanjaka nagnome beko tamin'i Benaia janaka lahin'i Joiada. Die nivôka ijy ka namono an'i Simey? Ka die nabela tsara tan-tagnan'i Solomona ny fintondràna.
Chapter 3

1Nagnano dina tamin'i Farao mpanjakan'ny Egypta tamin'elalan'ny fanambadiena i Solomona. Nangala an'ny janaka vavin'i Farao ijy sady nitondra anajy tamin'ny tanàn'i Davida tao mandra-pahavitany nambôtra tragnony manokagna, tragnon'i Yaveh, ary ny manda magnodidigna an'i Jerosalema. 2Tagny amin'ny toerana ambony no nanôvan'ny olo sorogna, satria bola tsy nisy tragno niorigna hôn'egnaran'i Yaveh. 3Nanoro fitiavany an'i Yaveh i Solomona tamin'ny fandihanana araka jay lalàn'i Davida iabane, hafa tsy jay nanôvany sorogna sady nagnoro ditin-kajo magnitra tamin'ny toerana ambony ijy.4Nandeha a Gibeona n'empanjaka ba hagnano sorogna tegne, satria toerana ambony angeja be jane? Nanolotra fagnatitra rôna arivo tambonin'io alitara io i Solomona. 5Ta Gibeona dia hita tagnaty nofy tamin'i Solomona Yaveh laha aligna; hoy Ijy hoe: "Angatahy! Ino no tokony hameko anao?"6Ka hoy i Solomona hoe: "Anao efa nanoro tsy fivadiham-pagnekena angeja be tamin'ny mpanomponao, die i Davida iabako, satria nandeha tagnatrehanao tamin'ny fahamendreham-pitokisana teo, tamin'ny fahamarinana, ary tamin'ny fahitsem-po ijy. Nitananao hônajy toy tsy fivadiham-pagnekena angeja be toy sady namenao janaka lahy hitoboka amin'ny seja fiendriagnany ijy niany.7Amijao a Yaveh Andremanitro, efa nanao n'empanomponao ho mpanjaka tamin'ny toeran'i Davida iabako Anao, na die bola jaja hiany aja aho. Ka tsy fantatro hoe aôna no fomba ivoahana na hidirana. 8N'empanomponao dia agnivon'ny olo jay nisifidinao eo, vahôka angeja be, rahabe tsy tambo isaina na tsy vôisa.9 Ka meo ny mpanomponao ny fahajavam-po hitsara ny olo, ba hahafahako magnavaka ny tsara sy ratsy. Fa ija moa no mahay mitsara anijao vahôkanao rahabe jao?"10Nahafaly an'ny Tompo fangatahan'i Solomona jane. 11Die hoy Andremanitra taminajy hoe: "Satria efa nangataka anijany raha jany anao sady tsy nangataka hônao ba ho lava andro hiaignana na harena na ny ain'gny jay fahavalonao, fa nangataka fahajavan-saigna hônao ba hamantarana ny rarine. 12Niany hatako je rehetra nangatahinao taminahy laha namenao Anahy ny fangatahanao. Ameko fo hendry sady mahalala anao, ba tsy hisy hôtranao talohanao, sady tsy hisy hôtranao hitsangagna afaranao ao.13Efa nameko anao koa jay tsy nangatahinao, dia harena sy voninahitra, ba tsy hisy hôtranao amin'ny mpanjaka amin'nby andronao abiaby. 14Laha handeha araka ny lalako anao ka hitandrigna ny lalàko sy didiko, hôtran'ny nandihanan'iabanao, dia hagnalava n'iandronao Aho."15Dia nifoha i Solomona, ka ino, fa nafy jane. Avy ta-Jerosalema ijy ka nitsangagna talohan'ny fiaran'ny fagneken'ny Tompo. Nagn,atitra fagnatitra rôna sy fagnati-pihavanana ijy, sady nanao fanasana hôn'ny mpanompony abiaby.16Dia nisy viavy rolahiteo jay mpivaro-tegna avy tamin'ny mpanjaka sady nitsangagna talohany teo. 17Hoy i viavy raika io hoe: "Ô, tompoko, aho sy toy viavy toy dia miray tragno, sady niteraka jaja tamin'ny tragno nerahako taminajy aho.18Ary tamin'ny andro fahatelo tafaran'ny nitirahako dia niteraka koa itoy viavy toy. Niaraka ahay. Tsy nisy olo hafa niaraka taminay tan-dragno tao, fa ahay roy hiany. 19Aviteo maty ny janaka lahin'itoy viavy toy laha aligna, satria vôtsindry ijy. 20Ka nitsangagna ijy laha sasak'aligna ka nangala janako lahy hatagnilako, laha bola natory mpanomponao, sady nametraka anajy tan-tratragny teo, sady nametraka ny janagny lahy tan-tratrako teo.21Laha nifoha hampinono janako aho laha maraigna, diefa maty ijy. Fa laha nijery anajy tsara aho laha maraigna, dia tsy janako, jay naterako ijy; 22F'i viavy raika nijaka hoe: "Ehé, i raika velogna io no janako, k'iraika maty no janakao." I viavy vôlohany nilaja hie: "Tsiaré, i maty io no janakao, ary raika velogna no janako." Jay no fomba nivorianan-dreo tagnatrehan'empanjaka."23Die hoy n'empanajaka hoe: "I raika taminareo milaja hoe: 'Itoy velogna toy no janako, k'iraika maty i no janakao,' k'iraika milaja hoe: 'Tsiaré, i maty no janakao, k'iraika velogna no janako."' 24Hoy n'empanajaka hoe: "Tondray mesa aho." Ka nandan-dreo talohan'empanjaka ny mesa. 25Die hoy n'empanjaka hoe: "Jaray roe jaja velogna, ka ameo an'itoy viavy toy nesasagne die ameo an'ny raika nesasagne."26Ary i viavy jay velon-janaka nivoria tamin'ny mpanjaka, fa feno fangoram-po hôn'ny janagny fone, ka hoy ijy hoe: "Ô, tompoko, ameo anajy jaja velogna, ka tsy midika jany hoe mamono anaje." Fa hoy i viavy raika: ''tsy hônahy na hônao ijy. Jarao ijy." 27Aviteo namaly n'empanjaka ka nilaja hoe: "Ameo an'i viavy vôlohany ny jaja velogna, sady tsy midika jany hoe mamono anaje. Fa ijy no iendrine." 28Laha regnin'Israely abiaby ny fitsaràna jay natan'ny mapanjaka, dia natahotra n'empanjaka areo, satria hitan-dreo fa tamin'ny fahendren'Andremanitra handany mitsara tao.
Chapter 4

1Mpanjaka tamin'Israely abiaby i Solomona Mpanjaka. 2Ito aby io manam-pahefane io: Azaria janak'i Zadoka no mpisorogna. 3Elihorefa sy Ahia janak'i Sisa, no mpitan-soratra. Josafata janak'i Ahiloda no mpitam-boky. 4Benaia janak'i Joiada no nisahagna ny tafika. Zadoka sy Abiatara no mpisorogna.5Azaria janak'i Natana no nifehy ny manam-pahefana. Zaboda janak'i Natana die mpisorogna sady akaman'empanjaka. 6Ahisara no nifehy tokan-tragno. Adonira janak'i Abda die tamin'olo je nifehy ny mpanao asa an-terivojogna.7Nanagna manam-pahefana roa ambin'ny folo i Solomona manerana an'Israely abiaby, jay niantoka rahanina hôn'empanjaka sy n'enkohonane. Ny lelahy isanisany dia niantoka ny fagnatsarejan-drahanina mandritran'ny ray volagna agnatin'ny taogna raike. 8Ito aby negnarane: 9Beni-hora, hatan-tany haragn'Efraima, Beni-dakera ta-Makaza, Salbima, Beti-semesy, sy Elon-betihanana, 10Beni-haseda, t-Arobota (Anajy i Soko sy ny tany abiaby ta-Hefera);11Beni-Abinadaba, tamin'ny distrikan'i Dora abiaby (Tafata janaka vavin'i Solomona no vadine); 12Bana janak'i Ahiloda, ta-Tanaka sy Megido, sy Beti-sana abiaby jay narivo an'i Zareta ambanin'i Jezirela, hata Beti-sana ka hat-Abela-meloha lavitry ny rivon'i Jokneama; 13Beni-gabera ta-Ramota-gileada (Anajy ny tanan'i Jaira janak'i Manase, jay ta-Gileada, ary ny faritr'Argoba die anaje, jay ta-Basana tagne, tanàna be enimpolo misy rindrigna sy hidim-barangaragna varahigna); 14Ahinadaba janak'Ido, ta-Mahanaima tao;15Ahimaza, ta-Naftaly tao (nivadiny hiany koa i Basemata janaka vavin'i Solomona); 16Bana janak'i Hosay, t-Asera sy Bealota; 17Josafata janak'i Paroa, t-Isakara tao;18Simey janak'i Ela, ta-Benjamina; 19d'i Gabera janak'i Ory, amin'ny tanin'i Gileada agne, tanànan'i Sihona mpanjakan'ny Amorita sy Oga mpanjakan'i Basana, ary ijy rery no manam-pahefana jay tamin'ny tany tao.20Joda sy Israely dia rahabe hôtran'ny fasika amoron-dranomasina. Nihinagna sady ninogna areo ary fale.21 I Solomona dia nandidy ny fanjakana abiaby hatamin'ny Ony ka hatagny an-tanin'ny Filistina sy ny sisin-tanin'i Egypta. Nitondra fagnomejam-boninahitra sy hanompo an'i Solomona areo nandritra ny androm-piagnany abiaby. 22Fagnatsarejan-kanin'i Solomona agnatin'ny ray andro dia koba tsara toto telopolo kapôka sy rahanina enimpolo kapôka, 23aomby matavy folo, aomby tsy nihinam-bilogna rôpolo, ary ondry jato, afa-tsy ny serfa, gazela, kapreola, ary vorogna nihatavejina.24Satria nanam-pahefana tamin'ny faritra abiaby manila ny ony ijy, avy hata-Tifsa ka hata-Gaza, mihôtra ny mpanjaka abiaby jay nagnila ny Ony, dia nanagna fedanana tamin'ny nagnodidigna anajy abiaby ijy. 25Niaigna am-pitoniena i Joda sy Israely, ny olo abiaby dia tambanin'ny vôlobogny sy jay aviavine, avy hata-Dana hata-Beri-sheba, tamin'ny andron'i Solomna abiaby.26Nanagna tragnon-sôvaly efapolo aligna ijy hôn'ny kalesane, sady mpideba sôvaly roa arivo sy ray aligna. 27Io manam-boninahitra io dia niantoka rahanina hôn'i Solomona mpanjaka sy hôn'ny abiaby jay avy hatamin'ny latabatr'i Solomona, ny olon-drehetra tamin'ny volany aby. Ka tsy navelan-dreo ho tsy ampy ny raha abiaby. 28Nitondra vary hordea sy mololo hôn'ny sôvaly mpitarika kalesa sy sôvaly fidibana areo, samy mitondra jay jakany aby ny tsirairay.29Namen'Andremanitra fahindrena sy fahajavan-saigna be i Solomona, sady fivelaran-saigna hôtra ny fasika amoron-dranomasina egne. 30Ny fahendren'i Solomona dia nihôtra ny fahendren'olo abiaby tan-tsignanana tagny sy ny fahendren'i Egypta. 31Nanam-pahendrena noho ny olo abiaby ijy_ noho i Etana Ezrahita, Hemana, Kalkola sy Darda janak'i Mahola_ary ny lajany dia avy tamin'ny firenena magnodidigna abiaby.32Nijaka ohabolagna telo arivo ijy ary dimy arivo ny hirany laha hisaina. 33Namaritra ny java-maniry ijy, hatamin'ny sedara ta-Libanona ka hatamin'ny hysopa jay maniry magnaraka ny rindrigna. Nagnajava momba ny biby hiany koa ijy, jay vorogna, jay biby mandady, ary jay laokan-drano. 34Avy hatamin'ny firenena abiaby ny olo ba hiteno ny fahendren'i Solomona. Areo dia hatamin'ny mpanjaka abiaby ny tany jay efa naharegny ny fahendrene.
Chapter 5

1Hirama mpanjakan'i Tyro dia nandefa ny mpanompony handeha agny amin'ny Solomona satria io efa vôhosi-dreo handimby an'iabany ijy; satria Hirama diefa tia an'i Davida fehijay hatamijay. 2Nampitondra jaka hômin'i Hirama i Solomona, nilaja hoe: 3"Fantatrao fa i Davida iabako dia tsy afaka nambôtra tragno hôn'egnaran'i Yaveh Andremaniny noho ny ady jay nagnodidigna anaje, fa nandritra ny androm-piaignany i Yaveh dia nagnavela ny fahavalony tambany faladian-kongony teo.4amijao, Yaveh Andremanitro diefa nagnome anahy felignesana amin'ny lafiny abiaby. Tsisy na mpifagnandrigna na loja. 5Die mieritreritra ny hambôtra Tempoly hôn'egnaran'i Yaveh Andremanitro aho, araka jay nivorianin'i Yaveh tamin'i Davida iabako, nagnano hoe: "Janakao lahy, jay hapetrako amin'ny seja fiendriagnanao amin'ny toeranao eo, no hangagna ny Tempoly hôn'egnarako.'6Ary amijao mandidia ba hanapahan-dreo hajo Sedera hata-Libanona agny hôn'ahe. Hiaraka amin'ny mpanomponao ny mpanompoko, ary aho no handoa ny karaman'ny mpanomponao ba ho vôkarama ara-drariny anao nemin'ny raha abiaby jay nekenao hatao. Satria fantatrao fa tsisy aminay eo mahay ny fomba anapahana hajo hôtran'ijey Sidoniana."7Laha naharegny ny jakan'i Solomona i Hirama, dia faly be ijy ka nijaka hoe: "Hideraina anie Yaveh niany, jay nagnome an'i Davida janaka lahy hendry hômin'itoy vahôka be toy eo." 8Nampitondra jaka hôn'i Solomona i Hirama, nilaja hoe: "Efa regniko ny hafatra jay nalefanao hônahe. Hamatsy ny hajo Sedera sy kypreso abiaby jay irinao aho.9Handan'ijay mpanompoko midigna hata-Libanona manakany agny ami_n'ny rano masina ny hajo, sady hifihejiko agnaty vatan-kajo io ka hitsikafogna amin'ny ranomasina mandeha amin'ny toerana jay tondranao handifasako anaje. Agny no hampanapahiko an-dreo, ary dia halainao io. Hatanao jay iriko amin'ny fagnomejana rahanina n'enkohonako."10Ka namen'i Hirama an'i Solomona ny hajo Sedera sy hajo kesika abiaby jay niriene. 11Namen'i Solomona varimbajaha roa aligna kapôka ha rahanina hôn'enkohonany i Hirama ary diloilo tsy mitampoka rôpolo tavoangy. Namen'i Solomona hôn'i Hirama isan-taogna jane. 12Namen'i Yaveh fahendrena i Solomona, araka jay efa nampanantenainy anaje. Nisy fihavanana tamin'i Solomona sy Hirama, ka nanao fagnekena ijy roy tonta.13Nampangaika mpanao asa an-terivojogna tamin'ny Israely abiaby i Solomona Mpanajaka. Telo aligna n'isan'ny lelahy mpanao asa an-terivojogna. 14Nalefany ta-Libanona areo, ray aligna no mifandimby isam-bolagna. Ray volagna areo no ta-Libanona ary roy volagna tan-dragno. I Adonirama no nanapaka tamin'ny lelahy jay nampagnekena hômin'ny asa an-terivojogna.15Ary i Solomona nanagna mpitondra entagna fito aligna sy mpamaky vato valo aligna jay tan-tendrombohitra tagne, 16ankôtran'io 3.300 lehibven'ny manam-pahefan'i Solomona jay nanapaka ny asa sady jay nagnaramaso ny mpiasa.17Araka ny didin'ny mpanjaka dia nandrafitra vato be tsara ba habela amin'ny fagnamboarana Tempoly areo. 18Ary ny mpambôtra-tragnon'i Solomona sy ny mpambôtran-tragnon'i Hirama ary ny Gebalita no nanao ny fanapahana sady fikarakarana hajo sy vato hamboarana tempoly.
Chapter 6

1Ary i Solomona nanomboka nambôtra ny tempolin'i Yaveh. Jao no nitranga tamin'ny taogna 480 tafaran'elan'ny janak'Israely tamin'ny tany Egypta, tamin'ny taogna faha efatra no nanjaka tamin'ny Israely teo i Solomona, tamin'ny volagna Ziva, jay volagna faharoe. 2Ny tempoly jay namboarin'i Solomona Mpanjaka hôn'i Yaveh dia enimpolo metatra ny lavane, die rôpolo metatra sakane, ary telopolo metatra haambone.3Ny lavarangagna alohan'ny efitra angeja ben'ny tempoly dia rôpolo metatra lavane, mitovy amin'ny sakan'ny tempoly, die folo metatra halaligny alohan'ny tempoly. 4Ny varangaran-kelin'ny tragno dia natany tery rafitra negnatiny noho n'ivelane.5Nagnamboarany efitra jay magnodidigna an'io rindrin'gny efitragno angeja be io, magnodidigna n'ivenany s'egnatin'ny efitra. Nasiena efitra ny magnodidigna ny sisigny abiaby. 6N'embany indrindra dia dimy metatra sakane, n'egnivo dia enina metatra sakane, ary ny farany dia fito metatra sakane. Fa ny ivelany dia nahegnany rindrigna magnodidigna ny tragno abiaby ba tsy hisaraka amin'ny andry amin'ny rindrin'gny tragno.7Vato vôpeke no nagnamboarana ny tragno. Tsy nisy tantantagna, andrognana, na vy marangitra regny tan-dragno tamin'ny nagnamboarana anajy tao. 8Ny hatan-tsimon'ny tempoly dia nisy fidirana tamin'ny rihagna ambane, nisy tohatra raika fekarana mandeha amin'ny rihagna vôlohane, ary aviteo agnivo no miakatra mandeha amin'ny rihagna faharoe.9Ka namboarin'i Solomona ny tempoly sady nivitainy jane; nirakofany andry sy hajo sedera fisaka ny tragno. 10Namboariny tagnilan'ny efitra tratrin'ny tempoly io efitra an-dagnine eo, dimy metatra sakin'ny andagnine; ka hajo sedera no nampifandray ny tragno sy hajo sedera.11Avy tamin'i Solomona ny jakan'i Yaveh, nagnano hoe: 12"Ny momba an'itoy tempoly jay namboarinao toy, laha handeha araka jay lalàko sy hagnano ny rariny anao, hitandrigna ny didiko abiaby sady hagnaraka anijane, dia hamafisiko aminao ny fampagnantenana jay natako tamin'i Davida iabanao. 13Hivela amin'ny vahôkan'Israely eo Aho ka tsy hahafoy an-dreo."14Ka namboarin'i Solomona ny tempoly sady nivitainy jane. 15Aviteo dia namboariny tamin'ny hajo sedera ny rindrigna agnaty tragno. Hatamin'ny tany ka hatamin'ny valin-drihagna, dia nirakofany hajo tagnatin'io, ary hajo kypresy nandrakofany n'iambine.16Natany rôpolo metatra hatan-damosin'gny tragno misy hajo sedera hatam-bany ka hatamin'ny valin-drihagna. Natany ho efitra agnatiny io efitra io, jay toerana masina indrindra. 17Ny efitra angeja, jay toerana masina alohan'ny toerana masina indrindra, dia efapolo metatra halavane; 18Nisy sedera tagnatin'ny tragno tao, natao sary sikotra mitovy amin'ny vôtango sy vonikazo mivelatre. Sedera aby negnatine. Tsy nisy rafi-bato tsinjo tagnatine.19Nagnomagna efitragno agnatiny tagnatin'ny tragno ba hamilana ny fiara fagneken'i Yaveh tao i Solomona. 20Rôpolo metatra halavan'ny efitra agnatine, rôpolo metatra sakane, ary rôpolo metatra i haambone. Nifenôn'i Solomona volamena tsisy fangarony ny rindrigna sady nirakofany hajo sedera ny alitara.21Nifenôn'i Solomona volamena tsy miharo n'iatin'ny tempoly sady nampeny rojom-bolamena talohan'ny efitragno agnatiny sady nifenôna volamena n'elohane. 22N'egnatiny manontolo dia nirakofany volamena mandra-peven'ny tempoly abiaby. Nifenôny volamena koa magnodidigna ny alitara amin'ny efitragno agnatine.23Nambôtra kerobima rolahiteo tamin'ny hajo oliva i Solomona, samy folo metatra aby halavane, hôn'ny efitra agnatine. 24Ny elatry ny kerobima raika die folo metatra halavane, din'ielany hafa dia dimy metatra koa. Ny elagnelan'gny elatra raika hatamin'ny tendron'ny elatra raike. 25Ny tendron'elatra raika ka hatamin'ny tendron'ny elatra raika dia managna elagnelagna folo metatra. Ny kerobima hafa die managna elatra folo metatra. 26Ny kerobima rolahiteo dia samy mitovy refy sy endrike. Folo metatra ny haambon'ny kerobima raika die hôtran'ijany koa ny kerobima hafa.27Napetrak'i Solomona tagnivon'ny tragno ny kerobima. Navelatra ny elatry ny kerobima ba hikasihan'ny elatra ny raika amin'ny rindrigna raika ary n'ielatry ny kerobima hafa hikasika ny rindrigna hafa. Nifampikasoka tagnivon'ny toerana masina indrindra ny ela-dreo. 28Nirakofan'i Solomona tamin'ny volamena ny kerobima.29Nivakagnany tamin'ny sarin'ny kerobima ny rindrigna abiaby magnodidigna ny tragno, hajon-drafia, sy vonikajo mamogne, ny ivelany sy n'egnatin'ny efitra. 30Nirakofan'i Solomona tamin'ny volamena ny gorodogna, n'egnefitra ivelany s'egnatine.31Namboarin'i Solomona tamin'ny hajon'oliva ny varangaragna fidirana mandeha amin'ny efitra agnatine. Ampahadimin'ny faritra namboarina ny tolàgna sy lelam-barangaragna. 32Die nambôtra varangaragna rolahiteo tamin'ny hajon'oliva ijy, sady nampieny sary sikotra ny kerobima tamijany, hajon-drafia, sy vonikazo mamogne. Nirakofany tamin'ny volamena io sady nagnaparitahany volamena sy hajon-drafia tamin'ny kerobima teo.33tran'ijany koa, namboarin'i Solomona tamin'ny hajon'oliva ny handrim-barangaragna fidirana an-tempoly je mijara efatre 34sady hajo kipreso ny varangaragna rolahiteo. Mivalogna aby ny baram-barangaragna abiaby. 35Naseny sary sikotra kerobima tamin'io, hajon-drafia, sy vonikazo mivelatre, sady magnisy volamena amin'ny asa-sikotra matetika ijy.36Namboariny tamin'ny vato vôpaika andalagna telo kianja tagnatiny taoo sady andry sedera ray lalagna.37Nabela tamin'ny taogna fahefatra ny famboarana ny tragnon'i Yaveh, tamin'ny volan'ny Ziva. 38Tamin'ny taogna faha-raika amby folo, tamin'ny volan'gni Bola, jay volagna fahavalo, dia vita tanteraka tamin'ny lafiny abiaby sy famaritana tamin'ny lafiny abiaby sy famaritana abiaby ny tragno. Nandany fito taogna i Solomona nambôtra ny tempoly.
Chapter 7

1Telo amby folo taogna no na taogna no nanôvan'i Solomona lapane. 2Nambôtra lapa tamin'ny Alan'ny Libanona ijy. Jato metatra halavane, dimampolo metatra sakane, ary telopolo metatra halavane. Namboarina tamin'ny andalan'ny andry sedera tamin'ny tsangam-bato.3Nitafôna tamin'ny sedera io tragno jay nabela tamin'ny andry teo. Io andry io dia nitohagnana tamin'ny tsangam-bato. 4Nisy andry dimy amby efapolo teo, dimy amby folo amin'ny andalagna raike. Nisy andry tamin'ny andalagna telo, die ny hôke kiraidraika die nifanandrify tamin'ny hôke telo hafa. 5Ny varangaragna sy hôke abiaby dia natao ho efa-joro niaraka tamin'ny andry, ary hôke nifanandrify tamin'ny hôke telo hafa.6Nisy andry rahabe nifagnila dimampolo metatra halavany die telopolo metatra sakane, miaraka amin'ny lavarangagna aloha sy andry ary tafo eo.7Nambôtra ny rindrin'gny seja fiendriagnana jay hitsarana anajy i Solomona, dia jay efitragnon'ny fahamarinana. Nirakofana tamin'ny sedera isaky ny rihagna jane.8Ny tragnon'i Solomona jay nonegnane, tamin'ny kianja hafa misy ny tanin-dapa, dia nivolavolaina mitove. Nambôtra tragno hôtranijay hôn'ny janaka vavin'i Farao koa ijy, jay nalainy ho vady.9Io tragno io dia nihengôna tamin'ny vato lafo vidy vôpeke, vôrefy tsara sady vôtapaka tamin'ny tsofa sady natao nalama tamin'ny lafiny rehetra. Io vato io dia nampesaina hômin'ny fagnoregnana io vato an-tampny eo, sy ivelany tagny ka hatramin'ny kianja be koa. 10Ny fototra namboarina tamin'ny vato be, sady lafo vidy ka valo sy folo metatra halavane.11Tambony teo dia nisy vato lafo vidy vôpeka jay vôfaritra tsara amin'ny habene, sy andry sedara. 12Nisy andalagna vato vôtapaka telo sy tapaka andry sedara raika ny kianja be magnodidigna ny lapa hôtran'ny kianja agnatin'ny tempolin'i Yaveh sy ny tempolin'ny lavarangagna.13Nampangala an'i Solomona mpanjaka sady nitondra anajy agny Tyro. 14Hirama die janaky ny mpitondra tegna raika tamin'ny fokon'i Naftaly tao; olon'i Tyro iabane, jay mpagnano asa-tagnana amin'ny varahigna. Feno fahindrena sy fahajavan-saigna sy fahejana ba hanao asa angeja be amin'ny varahigna i Hirama. Nandeha amin'i Solomona Mpanajaka ijy ba hiasa amin'ny varahigna hôn'ny mpanjaka.15Nambôtra ny andry roy tamin'ny varahigna i Hirama, valo amby folo metatra haambony die roe amby folo metatra magnodidigna n'isanisane. 16Nagnano kapitaly rolahiteo tamin'ny varahigna vôkosika ijy ba hapetraka an-tampon'ny andry eo. Dimy metatra ny haambon'ny kapitaly kiraidraike. 17Mangarakaraka mitarehin-karato sy tanjomiolaka mitarehin-drojho ampesaina hôn'ny kapitaly no nagnengo ny tandron'ny andry fito isaky ny kapitaly.18Ka nagnano andalagna ampngaben-dagnitra rolahiteo nagnodidigna ny tendron'ny andry isanisany i Hirama ba hagnengôna ny kapitalin-dreo. 19Ny kapitaly tan-tendron'ny andrin'ny lavarangagna koja nihengôna tamin'ny lilia, efatra metatra haambone.20Tamin'ny kapitaly tamin'ny andry rolahiteo io koa die nahitana; ampongaben-dagnitra rônjato milahatra magnodidigna ny tampon'ijy abiaby. 21Nanangagna io andry tan-davarangnan'gny tempoly ijy. Ny andry tan-kavanana dia nangihana hoe Jakina, ary ny andry tan-kavia dia nangihana hoe Boaza. 22Tan-tendron'io andry io die nisy hengo lilia. Jay no fomba nandrafetana io andry rahabe io.23Nagnano ny koveta tamin'ny vy i Hirama, folo metatra isaky ny sisigne. Dimy metatra haambone, die telopolo metatra magnodidigna ny koveta. 24Nisy tagnatagna-manga tambanin'ny sisigny magnodidigna ny koveta, folo isakly ny metatra, ka natambatra ho raika niaraka tamin'ny koveta laha koveta mihintsy no namboarina.25Tamin'eomby roe amby folo io koveta io, telo nagnatrika n'evaratra, telo nagnatrika n'endrefana, telo nagnatrika n'entsimo, die telo nagnatrika n'entsignanana. Nabela tamin'ny tampon'io koveta io, sady nifagnila ny faritry ny vodin'ijy abiaby. 26Natevigna hôtran'ny sakan'ny tagnana io kkoveta io, ary sisigny koa namboarina mitovy amin'ny sisin'gny bôlila finoman-drano, hôtran'ny famoan'ny lilia. Aomby rano roy arivo litatra io koveta io.27Nagnano hongotra varahigna folo i Hirama. Efatra metatra ny halavan'ny hongotra kiraidraika ary efatra metatra ny velarane, die telo metatra ny haambone. 28Hôtranijany ny fanôvana ny hongone. 29Nisy takela-by tagnelagnelan'gny jana-kajo io, sady nisy liogna, aomby sy kerobima tamin'ny takela-by sy tamin'ny jana-kajo teo. Tambony sy tamban'ny liogna sy n'eomby koja nisy fehiloha vôtefy tsara.30Nisy kodiara varahigna efatra sy tagnan-kodi_ara ny efitrefitra abiaby, sady nisy tohagna tambanin'ny sisigny efatrin'ny koveta. Nasena fehiloha ny sisin'gny kiraidraikin'ny fanohagnana. 31Boribory dikoa faladia fivohàna, ray metatra sy sasagny sakane, sady tagnatin'ny satro-boninahitra ray metatra ny halavane. Vôsoratra tamin'ny fisokafane, ny takela-by io koja die efa-joro, fa tsy boribory.32Tambanin'ny takela-by io kodiara efatre, ary tagnan-kodiara sy ny fitoerany die tamin'ny efitrefitre. Ray metatra sy sasagny ny haambon'ny kodiara raike. 33Sady natao hôtran'ny kodiaran'ny kalesa io kodiara io. Ny fitoerane, sisigne, ny tanamasoandrine, sy n'egnivony die natao aby.34Nisy sorogny efatra tamin'ny sisigny efatry ny nefitrefitra kiraidraike, natao tamin'ny efitrefitra tao hiany. 35Tan-tampon'ny efitrefitra die nisy fehim-barika raika jay asasa-metatra halaligne, sady an-tampon'ny efitrefitra no namihejana ny tohagna sy takela-by abiaby.36Vôsoratr'i Hirama kerobima, liogna, sy hajo rafia ny velaran'ny fanohagfnana sy takelaka jay nandrakotra ny toerana malalake, sady vôhodidigna fehiloha io. 37Jay no fomba nanôvany an'io efitrefitra folo. Natao nitovy aby ijy abiaby, sady nanagna hangeja sy mitovy endrike.38Nanao koveta varahigna folo i Hirama. Ny koveta raika afaka mitagna rano efapolo litatre. Efatra metatra sakan'ny koveta isanisany aby sady nisy koveta raika isaky ny folo efitrefitre. 39Nagnano efitrefitra dimy tamin'ny lafiny antsimon'ny tempoly ijy ka dimy tamin'ny lafiny avaratry ny tempoly. Natany tamin'ny sisign'entsignanana koveta, magnatrika an-tsimon'ny tempoly agne.40Nambotra ny koveta sy lapelila sy lovia famafajana i Hirama; Ka vitany ny asa abiaby jay natany hôn'i Solomona Mpanjaka ntan-tempolin'i Yaveh: 41ny andry rolahiteo, sy lovia mitovy amin'ny kapitaly jay tan-tampon'ny andry roe, ary ny hengona harato rolahiteo makarakara ba handrakofana ny lovia roy mitovy amin'ny kapitaly jay tan-tampon'ny andry teo.42Nanao io ampongaben-dagnitra efatra ijy hôn'ny hengon-karato rolahiteo vôvitragna: andalan'ampongaben-dagnitra roy hôn'ny lovia rolahiteo hôtran'ny kapitaly jay tamin'ny andry, 43kiefitrefitra folo, sy koveta folo tamin'ny kiefitrefitre.44Natanytambaniny ny koveta sy n'eomby roy amby folo; 45ny tave, ny lapelila, ny koveta be, ary fitôvana hafa abiaby jay teo koa. Natan'i Hirama tamin'ny varahigna vôkosika io, hôn'i Solomona Mpanjaka, sy hôn'ny tempolin'i Yaveh.46Napetraky ny mpanjaka tamin'ny tany lemak'i Jordana tegny io, tamin'ny tanimanga agnelagnelan'gni Sokota sy Zaretana. 47Tsy nilajain'i Solomona io fanaka abiaby io satria rahabe lôtra laha hilanjaina, satria tsy afaka nilanjaina ny lanjan'ny varahigna.48Nambôtra ny fanaka abiaby jay tan-templin'i Yaveh tamin'ny volamena i Solomona: dia ni alitara volamena sy latabatra jay namilana ny mofon'ny fagnatrehana. 49Ny fanôvan-jiro, dimy amin'ilany ankavanana eo die dimy ankavia eo, talohan'ny efitra agnatine, dia vita tamin'ny volamena madio, sy ny vonikazo, ny jiro, sy ny lelany dia vita tamin'ny volamena madio.50Ny kapôka, ny antsy, ny koveta, ny sotro, sy ny fagnorôna ditin-kajo magnitra dia namboarina tamin'ny volamena madio aby. Ny sevilin'ny varangaragna amin'ny efitra agnatiny hiany koa, jay toerana masina indrindra, sy ny varangaran'gny efitra ben'ny tempoly, dia natao tamin'ny volamena madio ijy abiaby.51Tamijany fomba jane, no nahavitana io asa abiaby jay natan'i Solomona Mpanjaka hôn'ny tragnon'i Yaveh. Ka nandan'i Solomona tagnatiny tao io raha natokan'gni Davidan iabane, sy ny volafotsy, volamena, sy fanaka, sady napetragny tamin'ny efitra fagnatsarejana tamin'ny tragnon'i Yaveh io tao.
Chapter 8

1Ary solomona namory ny loholon'Israely, ny mpitariky ny foko abiaby, sy ny lohan'ny fenakaven'ny vahôkan'Isrely, tagnatrehan'ny vahôkan'Israely, tagnatrehan'ny Jerosalema tao, ba hitondra ny tôbilin'ny fagneken'i Yaveh hiakatra hatamin'ny tanànan'i Davida, i Ziona jane. 2Nivory tagnatrehan'i Solomona Mpanjaka tamin'ny lagnonana aby n'olon'Israely abiaby, tamin'ny volagna Etanima, volagna fahafito jane.3Avy aby ny loholon'Israely abiaby, sady nampekarin'ny mpisorogna ny tôbilila. 4Nandan-dreo niakatra ny tôbilin'i Yaveh, ny tragno lay fihôgnana, sy ny fanaka masina abiaby jay tagnaty lay. Nandan'ny mpisorogna sy Levita niakatra aby io raha abiaby io. 5Niara nandeha alohan'ny tôbilila aby i Solomona Mpanjaka sy ny fivondrognan'Israely abiaby, nanao sorogna ondry sy aomby rahabe.6Nampidirin'ny mpisorogna tamin'ny fipitrahan'ny tôbilin'ny fagneken'i Yaveh tamin'ny efitra agnatin'ny tragno, dia tamin'ny toerana masina indrindra, ambany elatry kerobima. 7Fa namelatra ny elany tamin'ny fipitrahan'ny tôbilila i Kerobima, sady nandrakotra ny tôbilila sy ny bô jay nilanjana anajy jane. 8Lava tokôtra io bô farany ka die hita laha aviteo n'igny amin'ny fitoerana masina talohan'ny efitra agnatiny ny tendrone tao, nefa tsy hita hat'ivelany io. Ary bola eo io hatamijao.9Tsy nisy na ino na ino tamin'ny tôbilila afa tsy ny vato fisaka rolahiteo jay napetrak'i Mosesy ta-Horeba, tamin'ny Yaveh nagnano fagnekena tamin'ny olon'Israely laha nivôka hatagny amin'ny tany Egypta areo. 10Ary laha nivôka hatamin'ny fitoerana masina tao ny mpisorogna, dia nameno ny tempolin'i Yaveh ny rahogna. 11Tsy afa-nitsangagna hanompo ny mpisorogna nohon'ny rahogna, fa nameno ny tragnony ny voninahitr'i Yaveh.12Dia hoy i Solomona hoe: "Nambaran'i Yaveh fa honigna agnaty hejim-pito ao Ijy, 13kanefa nambôtra tragno tsara hônao aho, dia toerana hipitrahanao mandrakijay."14Dia nitodika ny mpanjaka ka nitsodrano ny fivondrognan'Israely abiaby, laha tam-pitsangagnana ny fivondrognan'Israely abiaby teo. 15Hoy ijy hoe: ''Hideraina anie Yaveh, n'Endremanitr'Israely, jay nijaka tamin'i Davida iabako, ary nahatanteraka anijany tamin'ny tagnany hiany, nanao hoe: 16"Hatamin'ny nitondrako ny vahôkako nivôka hat-Egypta, dia tsy nifidy tanàna tamin'ny fokon'Israely abiaby tao hamboarana tragno Aho, ba hipitrahan'egnarako ao. Kanefa, nifidy an'i Davida ba hanapaka amin'ny Israely oloko eo Aho.'17Ary tam-pon'i Davida iabako ny hambôtra tragno hôn'egnaran'i Yaveh, n'Endremanitr'Isarely. 18Fa hoy i Yaveh tamin'i Davida iabako hoe: 'Fa natanao tam-ponao ny hambôtra tragno hôn'egnarako, dia tsara ny nanôvanao anijany tam-ponao. 19Ndre dijay aja die tsy hambôtra ny tragno anao; fa ny janakao lahy, jay teraka hatamin'ny vokatrao, no hambôtra ny tragno hôn'egnarako.'20Nitanterahin'i Yaveh jaka jay nilajaine, fa nitsangagna handimby ny toeran'i Davida iabako aho, ka mitoboka amin'ny seja fiendriagnan'Israely, araka ny nampanantenain'i Yaveh. Namboariko hôn'egnaran'i Yaveh, n'Endremanitr'Israely ny tragno. 21Efa nagnambôtra fitoerana hôn'ny tôbilila agny aho, jay misy ny fagneken'i Yaveh, jay natany tamin'ny rajantsena tamin'ny bola nitondra an-dreo nivôka hatamin'ny tany Egypta ijy."22Nijoro talohan'ny alitaran'i Yaveh i Solomona, tagnatrehan'ny fivorôvorôn'Israely abiaby, sady namelatra ny tagnany handeha amin'ny lagnitra. 23Hoy ijy hoe: "Ô Yaveh, Andremanitr'Israely ô, tsisy Andremanitra hôtranao na agny amin'ny lagnitra ambony na ety an-tany ambane, je tsy mitàgna ny tsy fivadiham-pagnekeny amin'ny mpanomponao je mandeha agnatrehanao amin'ny fony manontolo; 24Anao je nitagna ny fampagnantenanao tamin'i Davida iabako mpanomponao. Eka, nijaka tamin'ny vavanao Anao sady nitanterahinao tamin'ny tagnanao jane, hôtraniany.25Amijao are, a Yaveh, Andremanitr'Israely, tantiraho jay nampanantenainao tamin'i Davida iabako mpanomponao, laha nijaka Anao hoe: 'Tsy ho fôgna aminao ny hanagna olo hitoboka amin'ny seja fiendriagnan'Israely imasoko eo, laha mitandrigna ny handeha agnatrehako eo ny taranako, hôtran'ny nandihananao tagnatrehako teo.' 26Amijao are, a Andremanitr'Israely, mivavaka aho ba ho tanteraka ny fampagnantinana natanao tamin'i Davida iabako mpanomponao.27Fa tena honigna ety an-tany tokôtra ve Andremanitra? Ito, jao tontolo jao sy lagnitra aja tsy homby Anao__vômeka f'itoy tempoly jay naùboariko toy! 28Kanefa ba tenoy moa itoy vavaky ny mpanomponao sy fangatahany toy, a Yaveh Andremanitro, mitenoa ny haika sy vavaka atan'ny mpanomponao agnatrehako ato niany.29Enganie ka hsokatra amin'itoy tempoly toy andro aman'aligna ny masonao, amin'ny toerana jay nilajainao hoe: "Ho ao negnarako sy ny fagnatrehako.'__ ba hiteno ny vavaka hatan'ny mpanomponao jay magnatrika itoy toerana toy. 30Ka mitenoa ny fangatahan'ny mpanomponao sy Israely olonao laha mivavaka magnatrika an'itoy toerana toy ahay. Eka, mitenoa hatamin'ny toerana honegnanao agne, hatan-dagnitre, ary laha miteno Anao, dia ba mamelà.31Laha manota amin'ekamany ny olo raika ka tsy mentsy hampanôvina fienianana, ary laha avy ka manao fienianana agnatrehan'ny alitaranao amin'itoy toerana ato toy ijy, 32die mitenoa hatan-dagnitra ka mesà; tsaray ny mpanomponao, ba hagnameloka ny meloka sady hampanody jay natany hômin'ny lohany hiany, sady hagnambara ny marina ba tsy ho manan-tsigny, sy hamaly soa anajy nohon'ny fahamarinanae.33Laha resin'ny fahavalo ny Israely olonao satria nanota taminao, ka laha mipody aminao areo, magneky negnaranao, mivavaka, sady mangataka famelana hataminao ato amitoy tempoly toy__ 34die mihaogna an-dagnitra agny regny sady mamelà ny fahotan'ny Israely olonao; andôsy mipody amin'ny tany jay namenao ny rajan-dreo agne.35Laha mihidy ny lagnitra ka tsisy oragna satria nanota taminao ny vahôka__laha mivavaka magnatrika an'itoy toerana toy areo, magneky negnaranao, sady miala amin'ny fahotany laha avy nampahorinao__ 36die mitenoa an-dagnitra agny ka mamelà ny fahotan'ny mpanomponao sy Israely olonao, laha mampianatra an-dreo ny lalana tsara jay tokony halehany Anao. Mandatsaha oragna amin'ny taninao eo, jay namenao ho lovan' olonao.37Laha atao hoe misy mosare amin'itoy tany toy, na atao hoe misy areti-mandringagna, fahamaignan'ny vary na maty fotsy, valala na sompagna; na atao hoe misy fahavalo manafika ny vavahadin'ny tanàna amin'ny tanin-dreo ao, na misy loja na aretigna___ 38ary laha atao koa hoe misy vavaka sy fangatahana natan'olo raika na ny Israely vahôkanao manontolo__ jay samy mahalala ny loja am-pony agny avy laha mamelatra ny tagnany hômin'itoy tempoly toy ijy.39Dia mihaogna an-dagnitra agne, ny toerana honegnanao, mamelà sady mesà, sady valio soa ny olo abiaby noho jay natane; Anao mahalala ny fony, fa Anao hiany no mahalala ny fon'olombelogna abiaby. 40Atôvy je ba hahatahoran-dreo Anao amin'ny andro abiaby hiaignan-dreo amin'ny tany jay namenao ny rajagnay.41Fagnampinijane, mahakasika ny vahiny jay tsy agnisan'ny Israely vahôkanao: laha avy hatamin'ny firenen-davitra ijy nohon'Egnaranao__42 fa haharegny momba negnaranao angeja be, ny tagnanao mahere, ary ny sandrinao miakatra areo__ laha avy sy mivavaka magnatrika an'itoy tempoly toy areo, 43die mitenoa moa an-dagnitra agne, jay toerana honegnanao, sady atôvy jay rehetra angatahin'ny vahiny aminao. Atôvy jay ba hahafantaran'ny vondrogn'olo abiaby eto an-tany negnaranao ka hatahoran-dreo Anao, araka ny atan'Israely olonao manokagna. Atôvy jay ba hahafantaran-dreo fa itoy tragno jay namboariko toy dia angihana amin'egnaranao.44Laha atao hoe mandeha mivôka hiady amin'ny fahavalo ny olonao, na ino na ino fomba nandifasanao an-dreo, ary raha mivavaka aminao, Yaveh, magnatrika ny tanàna jay vôfidinao areo, sady magnatrika ny tragno jay namboariko hôn'egnaranao. 45Die mitenoa ny vavaka sy fangatahan-dreo an-dagnitra agne, die ameo rariny ijy.46Laha atao hoe manota aminao areo, satria tsisy olo tsy manota, ary raha atao hoe vignitra amin-dreo Anao ka manolotra an-dreo hômin'ny fahavalo, ka alain'ny fahavalo ho gadra hômin'ny taniny areo, na lavitra na marivo. 47Ary laha atao hoe tsarôn-dreo fa amin'ny tany jay nanôvany sesi-tany anajy areo, sady laha atao hoe mibebaka areo ka mandremby sitraka aminao amin'ny tanin'ny nagnagadra an-dreo. Laha mijaka areo hoe: 'Nanao raha tsy nety ahay ka nanota. Ratsy fitondran-tegna ahay.'48Ka mipody aminao amin'ny fony manontolo sy tebitebiny manontolo amin'ny tanin'ny fahavalony jay nagnagadra anajy areo, ary laha atao hoe mivavaka aminao manandrify ny tanine, jay namenao ny rajan-dreo, sady manan-drify ny tanàna jay nifidinao areo, sady manandrify ny tragno jay namboariko hôn'egnaranao.49e mitenoa ny vavakan-dreo sy fangatahan-dreo famonjena, an-dagnitra agne, jay toerana honegnanao, ary hagnamarigna ny raharaha hôn-dreo Anao. 50Mamelà ny olonao, jay nanota taminao, sy fahotany abiaby jay nandikany ny didinao. Mihantrà amin-dreo alohan'ny fahavalony jay nitondra anajy ho gadra, ba hientran'ny fahavalon-dreo ny vahôkanao mandy koa.51Vahôkanao jay nifidinao areo, jay navotanao hat-Egypta hôtran'ny hatamin'ny fatagna fandrendreham-by. 52Mivavaka aho ba hisokatra amin'ny fangatahan'ny mpanomponao sy fangatahan'ny Israely olonao sy fangatahan'ny Israely olonao ny masonao, ba hiteno an-dreo na vena na vena hangihany Anao. 53Fa navahanao tamin'ny vahôkan'ny tany abiaby areo ba hônao sady handray ny fampagnantenanao, araka ny nihajavainao tamin'ny alalan'i Mosesy mpanomponao, taminao nitondra ny rajagnay nivôka an'i Egypta Anao, a Tompo Yaveh."54Ka laha avy nanao anijany vavaka sy fangatahana abiaby jay tamin'i Yaveh i Solomona, dia nitsangagna hatalohan'ny alitaran'i Yaveh teo ijy, laha avy nandohalika sy namelatra ny tagnany nagnatrika ny lagnitra. 55Nitsangagna ijy sady nitso-drano ny fivondrognan'Israely abiaby tamin'ny feo maré, nagnano hoe: 56"Deraina anie Yaveh, jay nagnome felignesana hôn'Israely olone, tamin'ny fitantagnany ny fampagnantenany abiaby. Tsy nisy jaka latsaka hatamin'ny fampagnantenana tsaran'i Yaveh jay natany tamin'i Mosesy mpanompone.57Homba atsena anie Yaveh Andremanitsena, hôtran'ny nombàny an'ny rajantsena. 58Tsy handao atsena anie Ijy na hahafoy atsena, ba hampitongilkagnany hôminajy ny fontsena, ba hiaigna amin'ny lalany abiaby sy hitandrigna ny didy aman-dalàny sady ny fitsipigny, jay nandidieny an'ny rajantsena.59Aleo io jaka jay nambarako, jay nangatahiko tagnatrehan'i Yaveh, harivo an'i Yaveh Andremanitsena andro aman'aligna, ba hagnomejany rariny ny mpanompony sy Israely olone, araka jay ilaina isan'andro; 60ba ho fantatry ny firenena abiaby eto an-tany fa i Yaveh, no Andremanitra, sady tsisy Andremanitra hafa! 61ka ôka ho marina amin'i Yaveh Andremanitsena ny fonareo, ba handeha amin'ny lalàny eo sady hitandrigna ny didiny, hôtra'niany."62Ka dia nanolotra sorogna hôn'i Yaveh ny mpanjaka sy ny Israely abiaby niaraka taminaje. 63Nanolotra sorogna fagnati-pihavanana i Solomona, jay natany hôn'i Yaveh: aomby roy arivo sy roy aligna sy ondry 120.000. Ka dia nitakonan'ny mpanjaka sy ny vahôkan'Israely abiaby ny tragnon'i Yaveh.64Tamin'ny andron'io hiany dia natokan'gny mpanjaka ny agnivon'ny kianja talohan'ny tempolin'i Yaveh teo, fa teo nanolorany ny fagnatitra rôna, ny fagnatitra vare, ary ny tavin'ny fagnati-pihavanana, satria kely lôtra laha hadresana ny fagnatitra rôna, ny fagnatitra hohanina, ka ny tavin'ny fagnati-pihavanana ny alitara varahigna jay tagnatrehan'i Yaveh teo.65Ka natan'i Solomona, hatamin'ny Israely abiaby niaraka taminaje, jay fivondrognam-be, hata-Lebo-hamata ha hatamin'ny lohasahan-driek'i Egypta, tagnatrehan'i Yaveh Andremanitsena nandritra ny fito andro sady nandritra ny fito andro hafa koa, jay magnome efatra amby folo andro ny lagnonana tamijay fotôgna jay. fotôgna jay. 66Ary tamin'ny andro fahavalo dia nampody ny vahôka ijy, sady nitso-drano ny mpanjaka areo ka nody tan-dragnony tamin'ny fo falifale nohon'emin'ny fahatsarana abiaby nasehon'i Yaveh tamin'i Davida mpanompone, sy tamin'Israely olone.
Chapter 9

1Laha vitan'i Solomona ny fananganana ny tragnon'i Yaveh sy lapan'ny mpanjaka, ary laha nahatanteraka anijay abiaby nirieny ho vita ijy, 2die niseho fagnindroiny tamin'i Solomona i Yaveh, hôtran'ny nisehôny taminajy ta-Gibeona.3Ary hoy Yaveh taminajy hoe: "Efa regniko ny vavako sy fangatahanao jay natanao tagnatrehako teo. Efa natokako hônahy, itoy tragno jay natsangagnao toy, ba hamilako negnarako ho ao mandrakijay. Ny masoko sy foko dia ho eo fehijay amin'ny fotôgna abiaby.4Sady anao laha handeha agnatrehanao eo hôtran'ny nandihanan'i Davida iabanao tamin'ny fahitsem-po sy tamin'ny fahamarinana, hankatò jay nandidieko anao abiaby sady hitandrigna ny lalàko sy didiko, 5die hametraka ny sejan'ny fiendrianan'ny fanjakanao amin'ny Israely eo mandrakijay aho, hôtran'ny nampanantenako tamin'i Davida iabanao, hoe: 'Ny taranakao dia tsy hiala amin'ny seja fiendriagnan'Israely eo mihintsy.'6Fa raha mivily anao, anao na ny janakao, ka tsy mitandrigna ny didiko sy lalàko jay napetrako agnatrehanao eo, sady laha mandeha ka manompo andremani-kafa sady menkohoka amin-dreo eo anao, 7die halaiko amin'ny tany jay nameko an-dreo Israely; sady toy tragno jay efa natako hôn'egnarako toy, dia halaiko tsy hohitan'ny masoko, sady Israelydia ho avy hôtran'ny raha fagneso sy hihejana amin'ny vahôka abiaby.8Ho rava hôtontam-bato itoy tempoly toy, sady jay rehetra mandalo eo amijay die ho gaga ka hifiopioka. Hagnotany areo hoe: 'Nahôna i Yaveh nagnano anikao tamin'itoy tany sy tragno toy?' 9Ny hafa hamaly hoe: 'Satria nahafoy an'i Yaveh Andremaniny areo, jay nitondra ny rajamben-dreo nivôka t-Egypta, sady nifikitra ka nenkohoka ka nanompo an-dreo. Jany no antony nitondran'i Yaveh jany loja abiaby jany tamin-dreo.'"10Laha tapitra ny rôpolo taogna jay nahavitan'i Solomona ny fananganana ny tragno angeja be rolahiteo, tempolin'i Yaveh sy lapan'ny mpanjaka. 11Ary Hirama mpanjakan'i Tyra, dia namatsy hajo sedera sy kypreso, sy volamena an'i Solomona_ jay rehetra nirien'i Solomona__ka die namen'i Solomona Mpanjaka tanàna rôpolo tamin'ny tanin'i Galilia i Hirama.12Nivôka hata-Tyro i Hirama ba hijery ny tanàna jay namen'i Solomona anaje, kanefa tsy nahafaly anajy jane. 13Ary hoy i Hirama: "Fa tanàna ino ito amenao anahy ito, a rahalahiko?" Nangihan'i Hirama hoe tany kobola io, jay bola hangihana an-dreo fehijay hatramijao. 14Nampagnatitra talenta volamena 120 hôn'ny mpanjaka i Hirama.15Jao magnaraka jao no anton'ny fitakena amin'ny asa jay napetrak'i Solomona Mpanjaka: Ba hanangagnana ny tempolin'Yaveh miaraka amin'ny lapane, ba hanangagnana an'i Milo sy rindrin'gny Jerosalema, ary ba hanangagnana ny manda ferovan'i Hazora, Megido, sy Gazera. 16Niakatra sady nangala an'i Gazera i Farao mpanjakan'i Egypta. Nirôny jay sady nivoniny ny Kananita tan-tanàna tao. Ary dia namen'i Farao an'ny janagny vave, vadin'i Solomona, ho fagnomejana hôn'ny fampekaram-bady ny tanàna.17Ka dia naverin'gni Solomona natsangagna i Gazela sy Beti-hoprona Ambane, 18Baleta sy Tadmora an'gnefitra amin'ny tany Joda agne, sy ny tanàna fagnatsarejana abiaby jay nanagnane, 19sy ny tanànan'ny kalesany ary ny tanànan'ny mpideba sôvaline, sy jay rehetra nirieny hatsangagna ho fahafinaretany ta-Jerosalema, ta-Libanona, ary tamin'ny tany abiaby ambanin'ny fifihejany eo.20Ary ny vahôka abiaby sisa mivela tamin'ny Amorita, Hitita, Perizita, Hivita, ary Jebosita, jay tsy vahôkan'ny Israely, 21ny tarana-dreo jay nivela niaraka tamin-dreo tamin'ny tany tao, jay tsy vitan'ny olon'Israely ny nandrava anajy tanteraka__natan'i Solomona mpiasa an-terivojogna areo, hatamijao.22Na dia jany aja, dia tsy natan'i Solomona mpiasa an-terivojogna ny vahôkan'ny Israely. Fa, nanjary maramila sy mpanompone, manam-pahefana, sy manam-boninahiny sy mpifehy ny kalesany ary mpideba sôvaliny areo.23Ito hiany koa ny lehiben'ny manam-pahefany misahagna ny mpagnara-maso jay tamin'ny asan'i Solomona, 550 tamin-dreo, jay nagnara-maso vahôka jay niasa.24Nifindra hatamin'ny tanànan'i Davida ba handeha amin'ny tragno jay natsangan'gni Solomona hônajy ny janaka vavin'i Farao. Taty afara, dia nanangagna an'i Milo i Solomona.25Manolotra fagnatitra rôna sy fagnati'pihavanana in-telo isan-taogna ambonin'ny alitara jay namboariny hôn'i Yaveh i Solomona, magnoro ditin-kajo magnitra miaraka amin-dreo ambony alitara eo jay agnatrehan'i Yaveh eo. Ka vitany ny tempoly sady ampesainy jany amijao.26Nagnambôtra andien-sambo t-Ezion-gebera i Solomona Mpanjaka, jay narivo an'Elota, tamoron'gny Ranomasina Mena, tamin'ny tany Edoma. 27Nandefa mpanompo hôn'ny andien-sambon'i Solomona i Hirama, tantsambo jay nahay ny ranomasina, niaraka tamin'ny mpanompon'i Solomona. 28Nandeha ta-Ofira niaraka tamin'ny mpanompon'i Solomona areo. Hatagny no nitondran-dreo talenta volamena 420 hôn'i Solomona Mpanjaka.
Chapter 10

1Laha naharegny ny raha nilajain'i Solomona momba n'egnaran'i Yaveh ny mpanjakavin'i Sheba, dia avy hitsapa anajy tamin'ny fagnotaniena sarotra ijy. 2Avy ta-Jerosalema niaraka tamina rodobe lava be, nisy rameva nitondra raha magnitra, volamena rahabe, ary vato sarobidy rahabe ijy. Laha avy ijy dia nilajainy tamin'i Solomona aby jay tam-pony abiaby.3Nivalen'i Solomona ny fagnotaneny abiaby. Tsy nisy tsy vôvalin'ny mpanjaka fagnotanene. 4Laha nahita ny fahendren'i Solomona abiaby ny mpanjakavavin'i Sheba, ny lapa jay namboarine, 5ny rahanina tan-databane teo, ny sejan'ny mpanompone, ny asan'ny mpanompony sy fitafen-dreo, sy mpitondra ny kapôkany koa, sy fomba nanolorany fagnatitra rôna tan-dragnon'i Yaveh, dia gaga be ijy.6Hoy ijy tamin'ny mpanjaka: "Marina tokôtra, ny tatitra jay regniko tamin 'ny taniko tagny momba ny resakao sy fahendrenao. 7Tsy nino aho raha tsy avy tetoy, sady nahita maso anijany aho amijao. Tsy ampy asasagny amin'ny fahendrena sy harenao no vôtantara taminahe! Nihôtra tamijay regniko ny raha lajainao.8Sambatra moa je ho vadinao, sady sambatra koa ny mpanomponao jay miegnina alohanao fehijay, satria maharegny ny fahendrenao areo. 9Hideraina anie i Yaveh Andremanitrao, jay mahita sitraka aminao, sady namela anao tamin'ny seja fiendriagnan'Israely. Satria tien'i Yaveh mandrakijay Israely, natany mpanjaka anao, ba hanôvanao ny rariny sy fahamarinana!''10Nameny talenta volamena 120 sy raha magnitra rahabe miaraka amin'ny vato sarobidy ny mpanjaka. Tsy nisy nagnome raha magnitra rahabe hôtranijay namen'i mpanjakavavin'ny Sheba an'i Solomona Mpanjaka koa.11Sady n'endi'sambon'i Hirama, jay nitondra volamena hat-Ofira, nitondra hajo almonga sy vato sarobidy rahabe koa. 12Natan'ny mpanjaka tsangam-bato hôn'ny tragnon'i Yaveh sy lapan'ny mpanjaka, ary lokanga sy valiha hôn'ny mpihira ny hajo almonga. Tsy nisy hajo almoga rahabe hôtranijany avy na hita koa hatamijao.13Namen'i Solomona Mpanjaka jay rehetra nirien'ny mpanjakavavin'i Sheba, na ino na ino nangatahine, miampy anijay fagnomejan'i Solomona anajy amin'ny fagnomejan'i mpanjaka. Ka dia nipody tamin'ny taniny niaraka tamin'ny mpanompony ijy.14Ary ny volamena avy tamin'i Solomona tagnatin'ny herintaogna dia talenta volamena milanja 666, 15afa tsy volamena nandan'ny mpanakalo sy mpivarotra. Io mpanjaka abiaby t-Arabia sy ny Governora tamin'ny firenena koa die nitondra volamena sy volafotsy tagny amin'i Solomona.16Nagnano ampinga angeja be rônjato vita tamin'ny volamena vôtefy i Solomona Mpanjaka. Sekely volamena eninjato no nagnamboarana ny raika tamijane. 17Nagnano ampinga telonjato vita tamin'ny volamena vôtefy koa ijy. Ka volamena telo mane no nanôvana ny raika tamin'ny ampinga; napetraky ny mpanjaka tamin'ny lapan'ny Alan'i Libanona io.18Sady nagnano seja fiendriagnana ivory angeja be ny mpanjaka faranijay manify jane. 19Nisy antagnan-tohatra enina nandeha amin'ny seja fiendriagnana, sady boribory ny fenakaveny. Nisy famitrahan-tagnana isaky ny sisin'gny seja, ary liogna rolahiteo mitsangagna marivo anaje. 20Liogna rolahiteo amby folo no nitsangagna tamin'entanan-tohatra, raika isaky ny sisin'ny antagnan-tohatra, raika isaky ny sisin'antagnan-tohatra enina. Tsy nisy seja fiendrianana hôtranijany tamin'ny firenena hafa abiaby.21Ny kapôka finoman'i Solomona Mpanjaka abiaby dia vita tamin'ny volamena aby, ary ny bôlila finoman-drano tamin'ny lapan'ny Alan'i Libanona dia vita tamin'ny volamena tsy miharo aby. Tsy nisy volafotsy io, satria tsy niresina ho sarobidy jane tamin'ny andron'i Solomona. 22Nanagna andien-sambo mpitete ranomasina ny mpanjaka, niaraka tamin'ny andien-sambon'i Hirama. Indray mandeha agnatin'ny telo taogna no nitondra volamena, volafotsy, sy ivory jay andien-sambo, ary rajako sy jay mitovy endrika amin'ny rajako koa.23Nihôtra tamin-karena sy tamin'ny fahendrena nohonen'ny mpanjaka abiaby teto an-tany nen'i Solomona Mpanjaka. 24Nandremby ny hifagnatrika tamin'i Solomona ny tany ray manontolo ba haharegny ny fahendrenee, jay napetrak'Andremanitra tam-pone. 25Nitondra fagnomejana hônijay namangy, fanaka volafotsy sy volamena, miaraka amin'ekanjo, akanjo ferovana, sy raha magnitra, sôvaly s'epondra hiany koa, isan-taogna isan-taogna.26Namory kalesa sy mpideba sôvaly i Solomona. Nanagna kalesa 1.400 sy mpideba sôvaly roy arivo sy ray aligna ijyjay nabelany tamin'ny tanàna fivilan'ny kalesa sady niaraka taminajy ta-Jerosalema. 27Nanagna volafotsy ta-Jerosalema ny mpanjaka, rahabe hôtran'ny vato tamin'ny tany teo jane. Natany rahabe hôtran'ny hajo aviavy tamin'ny tany lemaka ny hajo sedera.28Nanagna sôvaly nividiny t-Egypta sy Silisia i Solomona. Nividin'ny mpivarotry ny mpanjaka isan'andieny areo, sady samy nanagna ny vidiny aby n'endieny raike. 29Ny kalesa dia tagny ivelan'i Egypta no nividina ka sekely volafotsy enin-jato ny raika, ary sôvaly 150 sekely ny raiaka. Rahabe tamin'io no namidy tamin'ny mpanjakan'ny Hetita sy mpanjakan'ny Syrianina abiaby.
Chapter 11

1Ary i Solomona Mpanjaka dia nitia viavy vahiny rahabe: janaka vavin'i Farao sy viaviy rahaben'i Moabita, Amonita, Edomita, Sidoniana, sy ny Hetita_ 2ny firenena vôkasik'ijay nilajain'i Yaveh tamin'ny vahôkan'i Israely hoe: "Tsy handeha amin-dreo eo anao ba hanambady, na areo hôminao eo, satria areo dia hampitodika ny fonao amin'endremani-dreo." Kanefa i Solomona tia an'io viavy rahabe io.3Nanagna vady andrembavy fitonjato sy vaditsendragno telonjato i Solomona. Nampitodika ny fony io viavy rahabe io. 4Fa laha nihan-antitra i Solomona, die nampitodika ny fony tamin'andremani-kafa ny vadine; fa tsy tena nagnankim-po tanteraka tamin'i Yaveh Andremaniny ijy, hôtran'ny don'i Davida iabane.5Fa i Solomona dia nagnaraka an'i Astarta, jay andremani-bavin'ny Sidoniana, sady nagnaraka an'i Milkoma ijy, jay sampy vetavetan'ny Amonita. 6Nanao jay ratsy tamason'i Yaveh i Solomona; tsy nagnaraka tanteraka an'i Yaveh ijy, hôtran'ny natan'i Davida iabane.7Ary nanangagna toerana ambony hôn'i Kemosy i Solomona, jay sampy vetavetan'i Moaba, tamin'ny haragna antsignanan'i Jerosalema, sady hôn'i Moloka mandy koa, ny sampy vetavetan'ny vahôkan'i Amona; 8Nanangagna toerana ambony hiany koa ijy hôn'ny viavy vahiny abiaby, jay nagnoro ditin-kajo magnitra sady nagnano sorogna hôn'endremani-dreo tamin'io.9Naseka tamin'i Solomona i Yaveh, nohon'ny nivilien'ny fony nenga taminaje, n'Endremanitr'Israely, na dia niseho indroy taminajy aja ijy 10sady nandidy anajy momban'io raha io mihintsy, fa tsy tokony hagnaraka andremanikafa ijy. Fa i Solomona die tsy nankatò jay didin'i Yaveh.11Noho jany dia i Yaveh tamin'i Solomona: "Satria nanao anijany anao ka lalàko jay nandidieko anao, dia halaiko aminao marina ny fanjakana sady hameko ny mpanomponao. 12Kanefa, nohon'emin'i Davida iabanao, dia tsy hanao anijany amin'ny androm-piagnanao abiaby aho, fa hangala anijany amin'ny tanagnan'ny janakao. 13Tsy bola hangala ny fanjakana abiaby aminao aho; fa hagnome foko raika hôn'ny janakao nohon'emin'i Davida, sy nohon'emin'i Jerosalema, jay nifidiko."14Dia nanangagna fahavalo raika hôn'i Solomona i Yaveh, dia i Hadada jay Edomita. Hatamin'ny fenakaven'andrien'i Edoma ijy. 15Laha t-Edoma tao i Davida, dia niakatra ba handeviga ny maty i Joaba jay lehiben'ny tafika, ny olon-drehetra jay vôvono t-Edoma tao. 16Nipetraka tao nandritra ny enim-bolagna i Joaba sy Israely abyaby mandra-pahafaty ny lelahy abiaby t-Edoma tao. 17Fa i Hadada dia nalain'ny mpanompon'iabany t-Egypta tao niaraka tamin'ny Edomita hafa, satria i Hadada dia bola jaja lelahy kele.18Nenga ta-Midiana tao areo sady avy ta-Parana tao, jay nangalan-dreo olo miaraka aminajy hoagny Egypta, hoagny amin'i Farao mpanjakan'i Egypta, jay nagnome tragno, tany sy rahanina hônaje. 19Nahita fankasitrahana angeja be tamason'i Farao i Hadada, ka namen'i Farao vady ijy, dia ny rahavavim-badine, rahavavin'i Tapanesa mpanjakavave.20Niteraka jaja lelahy tamin'i Hadada ny rahavavin'i Tapanesa. Namen-dreo negnarana hoe Genobata ijy. Natsangan'gni Tapanesa tamin'ny lapan'i Farao ijy. Ka nitoboka tamin'ny lapan'i Farao tamin'ny janak'i Farao i Genobata. 21Laha bola t-Egypta tao ijy, die naharegny i Hadada fa maty amin'ny rajagny i Davida ary i Joaba kapitenin'ny maramila dia mate, hoy i Hadada tamin'i Farao: ''Abilay aho handeha, ba ho afaka ho agny amin'ny fireneko." 22Die hoy i Farao taminaje: "Fa ino no tsy ampy anao aminahy eto, no mieritreritra hoagny amin'ny firenenao anao amijao?" Die namaly i Hadada hoe: "Tsisy. Ba avilay handeha moa aho."23Nanangam-pahavalo hafa hôn'i Solomona mandy koa Andremanitra, i Rezona janak'i Eliada, jay nilefa an'i Rezona janak'i Eliada, jay nilefa an'i Hadadezera mpanjakan'i Zoba tompone. 24Namory olo hônajy i Rezona ka nanjary kapitenin a tafika kely ijy, laha nandresy ny olon'i Zoba i Davida. Io lelahin'i Rezona dia nandeha a Damaskosy sady nitoboka tagne, ka nifihejin'i Rezona i Damaskosy. 25Fahavalon'i Israely ijy nandritra ny andron'i Solomona abiaby, niaraka tamin'ny korontagna jay natan'i Hadada. Nankahala an'i Israely i Rezona ka nanjaka tamin'i Arama.26Ary i Jeroboama janak'i Nebata, Efraimita hata-Zareda agne, manam-pahefan'i Solomona, i Zeroa n'egnaran'iendrine, mpitondrategna raika, dia nanangagna tagnany tamin'ny mpanjaka koa. 27Ny antony nanangagnany tagnany tamin'ny mpanjaka dia satria nambôtra toerana ta-Milo sy nagnampiena ny hady tamin'ny rindrin'gny tanànan'i Davida iabany i Solomona.28Jeroboama dia lelahy raika mahery. Hitan'i Solomona fa matanjaka miasa ijy, ka nameny alalagna nibeko ny asa abiaby tamin'ny tragnon'i Josefa. 29Tamijany fotôgna jane, laha nivôka an'i Jerosalema i Jeroboama, dia nahita anajy tamin'ny lalagna i Ahia ary ijy rôlahy die rery tan-saha. 30Sady nangala n'ekanjo vôvao jay tamin'i Ahia tegny ka nijarajara anijany ho roy amby folo.31Hoy ijy tamin'i Jeroboama: "Mangalà tapataâgny folo, fa i Yaveh, n'Endremanitr'i Israely, nijaka hoe: "Ito, hangala fanjakana amin'ny tanan'i Solomona eo Aho ka hagnome foko folo hônao 32(fa i Solomona dia hanagna foko raika, nohon'emin'i Davida sy nohon'emin'i Jerosalema__tanàna jay nifidiko tamin'ny fokon'i Israely abiaby), 33satria nahafoy Anahy areo ka nanompo an'i Astarta n'endremani-bavin'ny Sidoniana, Kemosy jay andremanitr'i Moaba, ary Moloka jay andremanitry ny vahôkan'i Amona. Tsy nandeha tamin'ny lalako areo, ba hanao jay marina amasoko eo, sady hitandrigna ny lalàko sy ny didiko, hôtran'ny natan'i Davida iabane.34Kanefa, tsy hangala ny fanjakana raika manontolo amin'ny tanan'i Solomona Aho. Fa, nanao anajy ho mpanapaka amin'ny andro abiaby hiagnany, nohon'emin'i Davida mpanompoko jay nifidiko, ny ray jay nitandrigna ny didiko sy ny lalàko. 35Fa hangala ny fanjakana an-tagnan'ny janagny Aho ka hagnome anijany anao, dia ny foko folo. 36Hagnome foko raika hôn'ny janak'i Solomona Aho, ba hanagna fanilo mandrakariva agnatrehako a Jerosalema eo i Davida mpanompoko, tanàna jay nifidiko ba hasen'egnarako.37Hangala anao Aho, ka hanapaka anao ba hagnatanteraka jay rehetra irinao, dia ho mpanjaka amin'i Israely eo anao. 38Laha miteno jay handidieko anao rehetra anao, sady laha mandeha amin'ny lalako sy manao jay marina imasoko eo, ba hitandrigna ny lalàko sy ny didiko, hôtran'ny natan'i Davida mpanompoko, dia hiaraka aminao Aho sady hanangagna tragno ajo antoka hônao, hôtran'ny nananganako hôn'i Davida, sady hagnome anao an'i Israely Aho. 39Hanajy ny taranak'i Davida Aho, fa tsy ho mandrakijay."'40Ka nieritreritra ny hamono an'i Feroboma i Solomona. Fa i Jeroboama niakatra sady nilefa tagny Egypta, tagny amin'i Sisaka mpanjakan'i Egypta, dia nivela t-Egypta tao ijy mandra-pahafatin'i Solomona.41Laha nemin'ny raharaha hafa mikasika an'i Solomona, jay rehetra natany sy fahendrene, tsy vôsambotra amin'ny bokin'ny tantara momban' an'i Solomona ve io? 42Nanjaka ta-Jerosalema tamin'ny Israely abiaby i Solomona nandritra ny efapolo taogna. 43Nodimandry tamin'ny rajambeny ijy sady nalevigna tamin'ny tanàn'i Davida iabane. Dia nanjary mpanjaka tafarany i Rehoboama janagny lahy.
Chapter 12

1Die nandeha a Sekema i Rehoboama, satria ny Israely abiaby no avy ta-Sekema ba hanao anajy ho mpanjaka.? 2Naharegny anijany Jeroboama janaka lahin'i Nebata (fa ijy bola taggny Rgypta, tamijay nilifany ny fagnatrehan'i Solomona Mpanjaka), satria Jeroboama nipetraka Egypta tao.3Ka die nampagniraka sady nangaika anajy areo, ary Jeroboama sy ny fengonan'ny Israely abiaby avy sady nijaka tamin'i Rehoboama hoe: 4''Natan'ny iabanao mavesatra zioganay. Ka hamevagno ny asa maherin'ny iabanao, sady hamevagno ny zioga mavesatra jay nampitondrainy anay, dia hanompo anao ahay." 5Rehoboama nijaka tamin-dreo hoe: "Mandihana mandritra ny telo andro ka mipodiana aminahy atoy." Die nenga ny vahôka.6Nangala hevitra tamin'ny lelahy jokiolo jay nagnatitra an'i Solomona iabany taminijy bola velogna i Rehoboama Mpanjaka, sady hoy ijy: "Ino ba torohevitrareo hônahy ba hamaleko an'io vahôka io?" 7Nijaka taminajy areo ka nagnano hoe: "Laha ho mpanompon'ny vahôka io anao ka hanompo an-dreo, sady hamaly an-dreo amin'ny jaka tsara, dia ho mpanomponao mandrakijay areo."8F'i Rehoboama nandà ny torohevitra jay namen'ny jokiolo anajy ka nila hevitra tamin'ny tovolahy jay niara-lehibe taminajy sy nagnatrika anaje. 9Hoya ijy tamin-dreo hoe: "Ino no ba torohevitra amenareo anahy jay ba mety havalintsena ny vahôka jay nivoria sady nijaka taminahy hoe: "Haùevagno ny zioga jay napetraky iabanao taminay'?"10Ny tovolahy jay niara-lehibe tamin'i Rehoboama nijaka sady nanao hoe: ''Mivoriana amin'ny vahôka jay nijaka taminao fa i Solomona iabanao dia nanao ny ziogan-dreo havesatra kanefa anao tsy mentsy hagnamevagna anijane. Tokjony hilaja amin-dreo anao hoe: 'N'enkihikeliko die angeja noho ny valahan'gny iabako. 11Ka amijao, na dia nampitondra zioga mavesatra anareo aja iabako, dia bola hagnampy ny zioganareo aho. Iabako nagnafay anareo tamin'ny karavasy fa aho koja die hagnafay anareo amin'ny mengoke.'"12Ka avy tamin'i Rehoboama tagny tamin'ny andro fahatelo i Jeroboama sy vahôka abiaby, araka jay nandidien'ny mpanjaka laha nijaka ijy hoe: "Mipodiana aminahy eto amin'ny andro fahatelo." 13N'empanjaka namaly an'ny vahôka tamin'ny jaka maré sady nandà jay torohevitra namen'ny jokiolo anaje. 14Nivoria tamin-dreo ijy araka ny torohevitra namen'ny tanora lahy; hoy ijy hoe: "Nampitondra zioga mavesatra anareo ibako, kanefa bola hagnampy jay zioganareo aho. Nagnafay anareo tamin'ny karavasy iabako, fa aho koja hagnafay anareo amin'ny mengoka."15Ary dia tsy niteno an'ny vahôka mpanjaka, fa hatamin'i Yaveh jany raha jane, ba hahafahany magnatanteraka ny jaka jay nilajainy tamin'ny alalan'i Ahia jay Silonita tamin'i Jeroboama janaka lahin'i Nebata.1716ha hitan'ny Israely abiaby fa tsy niteno an-dreo ny mpanjaka, dia namaly anajy ny vahôka ka nagnano hoe: "Ino no ba anjaranay amin'i Davida ao? Tsy managna lova amin'ny janak'i Jese ao ahay! Mandihana an-dainareo, a Israely. Jirevo amijao n'enkohonanao, a Davida.3 Dia nipody tan-dainy ny Israemy. 17Fa ny vahôkan'i Israely jay nonigna tan-tanànan'i Joda, dia i Rehoboama no nanjary mpanjakan-dreo.18Ary i Rehoboama Mpanjaka nagniraka an'i Adorama, jay nifehy mpiasa an-terivojogna, fa ny Israely abiaby nitimy vato anajy ka maty ijy. Rehoboama mpanjaka nilefa nalaky ta-Jerosalema niaraka tamin'ny kalesane. 19Noho io Israely dia nikome tamin'ny taranak'i Davida hatramijao.20Laha regnin'ny Israely fefa nipody i Jeroboama dia nampagniraka nampangaika anajy hômin'ny fivoren-dreo, sady nagnano anajy ho mpanjakan'ny Israely aniany. Tsy nisy olo na raika aja nagnaraka ny fenakaven'i Davida, afa tsy fokon'i Joda rerika mandy.21Laha avy ta-Jerosalema Rehoboama, dia namory ny taranak'i Joda sy ny fokon'i Benjamina abiaby; nysy lelahy vôfidy 180.000 jay maramila, ba hiady amin'ny taranak'Israely, ba hagnampody ny fanjakan'i Rehoboama janaka lahin'i Solomona.22Fa jakan'Andremanitra avy tamin'i Semaia, lelahin'Andremanitre; vôlaja hoe: 23"Lajay i Rehoboama janaka lahin'i Solomona, mpanjakan'i nJoda, ny taranak'i Joda sy i Benjamina abiaby, sy ny olo ambiny abiaby; lajay hoe: 24'Jao no jakan'i Yaveh: Aja manafika na miady amin'ny rahalahinao vahôkan'i Israely anao. Ny lelahy abiaby die tsy mentsy mipody amin'ny tragnony agne, satria hataminahy raha abiaby io/'" Dia niteno jakan'i Yaveh areeo, ka nipody sady nandray ny lalane, sady nankatò ny jakany areo.25Ary Jeroboama nambôtra an'i Sekema tamin'ny tany teo hahavoan'i Efraima, ka nipetraka teo. Nivôka hatao ijy sady nambôtra an'i Pehoela. 26Jeroboama nanao am-po hoe: "Hipody hôn'ny taranak'i Davida ny fanjakana amijao. 27Laha miakatra ba hagnano sorogna amin'ny tempolin'i Yaveh a Jerosalema io vahôka io, dia hipody amin'ny tompon-dreo, dia amin'i Rehoboama mpanjakan'i Joda koa ny fon'ny vahôka io. Hamono anahy areo ka hipody amin'i Rehoboama mpanjakan'i Joda."28Ary Rehoboama mpanjaka nandremby hevitra sady nambôtra janak'aomby volamena rolahiteo; dia hoy ijy tamin'ny vahôka: "Sarotra hônareo ny hiakatra hô-Jerosalema.Noho jane, itoy n'endremanitrareeo, a Israely, jay nitondra anareo niakatra nenga tagny Egypta." 29Nabelany ta-Betela ny raika ary ny hafa nabelany ta-Dana tagne. 30Ary die nanjary fahotana io fihetsika io. Ny vahoka tamin'ny raika na ny hafa, tamin'ny lalana abiaby mandeha a Dana.31Jeroboama nambôtra ny tragno tamin'ny toerana ambony sady nanendry mpisorogna hatamin'ny vahôka abiaby, jay tsy hatamin'ny janaka lahin'i Levy koa ijy. 32Nanendry andro firavoravôn'i Jeroboama tamin'ny volagna fahavalo, tamin'ny andro faha dimy amby folon'ny volagna; hôtran'ny firavoravôna a Joda agne, die niakatra tamin'ny alitara tegny ijyu. Ta-Betela namboarany anijay, nagnano sorogna tamin'ny janak'aomby jay namboarine, sady nabelany ta-Betela tagny ny mpisorogna tamin'ny toerana ambony jay namboarine.33Niakatra tamin'ny alitara jay namboariny ta-Betela i Jeroboama tamin'ny andro faha dimy amby folo tamin'ny volagna fahavalo, tamin'ny volagna jay nihiverin'ny saigny manokagna; nanendry andro firavoravôna hôn'ny vahôkan'i Y=Israely ijy, sady niakatra tamin'ny alitara tagny ba hagnoro ditin-kajo magnitre.
Chapter 13

1Nisy lelahin'Andremanitra hata-Joda avy ta-Betela tao nohon'ny jakan'i Yaveh. Nijoro narivo ny alitara i Jeroboama ba hagnoro ditin-kajo magnitre. 2Nihiekieke tamin'ny alitara nohon'ny jakan'i Yaveh ijy hoe: "Alitara! Alitara! jao no nambaran'i Yaveh hoe: "Hisy lelahy atao hoe: Josia hateraka amin'ny fenakaven'i Davida, sady aminao eo no hanôvany sorogna mpisorogna amin'ny toerana ambony indrindra je magnoro ditin-kajo magnitra aminao eo jao. Hagnoro tôlagn'olombelogna aminao eo areo.'" 3Aviteo ny lelahin'Andremanitra nagnome famantarana ny andron'igny hiany, nanao hoe: "Jao no famantarana nikajain'i Yaveh: 'Ito, hiparitaka ny alitara, sady hiraraka lakevigna aminajy eo.'"4Laha regnin'ny mpanjaka je nilajain'ny lelahin'Andremanitra, fa nangaika maré nanohitra ny alitara ta-Betela tao ijy, dia nanjijitra n,y tagnany hatami'ny alitara teo i Jeroboama, nanao hoe: "Sambory ijy." Aviteo die maty ny tagnana je najijine tamin'ny lelahy, ka tsy afaka nagnampatra ny heriny koa ijy. 5(Niparitaka koa ny alitara sady niraraka hatamin'ny alitara ny lakevogna, araka ny vôfaritrin'ny famantarana je namen'ny lelahin'Andremanitra nohon'ny tegnan'i Yaveh.)6Namaly Jeroboama Mpanjaka sady nijaka tamin'ny lelahin'Andremanitra hoe: "Mangataha sitraka tamin'i Yaveh Andremanitrao, die mivavaha hônahe, ba hipody aminahy indraika ny tagnako." Noho jany die nivavaka tamin'i Yaveh ny lelahin'Andremanitra, sady napody taminajy koa ny tagnan'ny mpanjaka, sady nanjary ,hôtran'ny taloha jane. 7Hoy n'empanjaka tamin'ny lelahin'Andremanitra hoe: "Andao hody miaraka aminahy ka helegnina, sady hameko valisoa anao."8Hoy ny lelahin'Andremanitra tamin'ny mpanjaka hoe: ''Na dia hamenao anahy aja n'esasaky ny fanagnanao, dia tsy handeha hiaraka aminao aho, na hihinan-kanina na hinogna rano amitoy toerana toy, 9satria Yaveh nandidy anahy tamin'ny jakany hoe: 'Tsy nihinagna mofo na hinogna rano anao, na hipody amin'ny lalagna je nievenao.'" 10Noho jany dia nandeha tamin'ny lalagna hafa ny lelahin'Andremanitra sady tsy nipody tan-dragno tamin'ny lalagna je nandihanany hôi-Betela.11y nisy mpaminagny antitra raika nipetraka ta-Betela, sady avy ny raika tamin'ny janagny lahy ka nijaka taminajy ny raha abiaby je vitan'ny lelahin'Andremanitra ta-Betela tamin'io andro io. Nilajain'ny janagny taminajy koa io jaka je nilajain'ny lelahin'Andremanitra tamin'ny mpanjaka. 12Hoy iaban-dreo tamin'dreo hoe: ''Aja no lalagna nandihanane?" Ary hitan'ny janagny ny lalagna nandihanan'ny lelahin'Andremanitra hata Joda agne. 13Noho jany die hoy ijy tamin'ny janagny lahy hoe: "Asio laselila hônahy ny boriky." Ka dia nasen-dreo laselila ny boriky die nidibany amijay.1514gnaraka an'ny lelahin'Andremanitra ny mpaminagny antitra ka nahita anajy nitoboka tamin'ny hajo terebinta teo; sady hoy ijy taminajy hoe: "Anao ve no lelahin'Andremanitra hata Joda tagne?" Die namaly ijy hoe: "Aho indrindra." 15Aviteo nijaka taminajy ny mpaminagny antitra hoe: "Andao hiaraka aminahy an-dragno agny die hihinan-kanina." 16Die namaly ny lelahin'Andremanitra heo: "Tsy handeha hipidy hiaraka aminao aho na hiditra hiaraka aminao, na hihinan-kanina na hinogna rano miaraka aminao amin'io toerana io, 17satria nandidiena anahy tamin'ny jakan'i Yaveh jany hoe: 'Tsy mahajo mihinagna rahanina na minogna rano agny anao, na mipody amin'ny lalagna je nandihananao.'"18Dia hoy ny mpaminagny antitra taminajy hoe: "Mpaminagny hôtran'enao koa aho, die nisy anjely nivoria taminahy nohon'ny jakan'i Yaveh, nagnano hoe: "Andôsy mipody an-dragnonao miaraka aminao agny ijy, ba hahafahany mihinan-kanina sy minon-drano.'" Kanefa nivandy tamin'ny lelahin'Andremanitra ijy. 19Noho jany die nandeha nipody niaraka tamin'ny mpaminagny antitra ny lelahin'Andremanitra ka nihinan-kanina tan-dragnony tao sady ninon-drano.20Laha nitoboka tan-databatra teo areo, dia avu tamin'ny mpaminagny je nitondra anajy nipody ny jakan'i Yaveh, 21ary die nihiekieka tamin'ny lelahin'Andremanitra je hata-Joda tagny ijy, nanao hoe: "Hoy Yaveh hoe: 'Satria tsy nankatò ny jakan'i Yaveh anao sady tsy nitandrigna ny didy je namen'i Yaveh anao, 22fa nipody sady nihinan-kanina sy ninogna rano tamin'ny toerana je nilajain'i Yaveh anao ba tsy hihinagna hanina na hinognarano, dia tsy halevigna amin'ny fasan'gny rajambenao agny ny vatagnao.'"23Laha avy nihinan-kanina sady avy ninogna ijy, dia nasen'ny mpaminagny laselila ny borikin'ny lelahin'Andremanitra, lelahy jay nipody niaraka taminaje. 24Laha dikatra i lelahin'Andremanitra, dia nisy liogna nifanojo taminajy tan-dalagna tegny ka namono anaje, ka die navela tan-dalagna teo fetine. Aviteo ny boriky nijoro narivo an'ny faty teo, die ny liogna koa nijoro teo. 25Laha nandalo teo ny olo ka nahita ny faty nivela tan-dalagna teo, sady ny liogna nijoro narivo an'ny faty teo, die nandeha areo ka nijaka an'io tamin'ny tanàna je nipitrahan'ny mpaminagny antitra.26Laha regnin'ny mpaminagny je nitondra anajy nipody tamin'ny lalagna jane, die hoy ijy hoe: "Ny lelahin'Andremanitra jay tsy nankatò jakan'i Yaveh jane. Noho jany dia namen'i Yaveh liogna ijy, je namiravira anajy sy namono anajy, araka ny nampitandreman'ny jakan'i Yaveh anaje." 27Ka nivoria tamin'ny janagny lahy ny mpaminagny, nagnano hoe: "Asio maselila ny borikiko,' dia nasen-dreo laselila. 28Nandeha tan-dalagna tegne, die ny boriky sy liogna nijoro narivo an'ny mate. Tsy nihanin'ny liogna ny fate, na nivonin'ny apondra.29Nalain'ny mpaminagny ny fatin'ny lelahin'Andremanitre, nampandrieny tamin'ny boriky jane, sady nandany nipody. Avy tamin'ny tanànany manokagna tagny ijy ba hisaogna sady handevigna anaje. 30Nampandrieny tamin'ny fasagny manokagna ny fate, sady nisaogna anajy areo, nagnano hoe: "E! ery rahalahiko!"31Laha avy nandevigna anajy areo, dia nivoria tamin'ny jangny lahy ny mpaminagny antitre, nanao hoe: "Laha maty aho, dia alivegno amin'ny fasagna jay nandivegnana an'ny lelahin'Andremanitre. Ampandrio marivo tôlagny tôlako. 32Satria hafatra jay nilajainy nohon'ny jakan'i Yaveh, tamin'ny alitara ta-Betela sy tamin'ny tragno abiaby amin'ny toerana ambony amin'ny tanànan'i Samaria nagne, dia hitranga marina."33Tafaran'io dia tsy niala tamin'ny fomba ratsiny i Jeroboama, fa bola nanondro mpisorogna hatamin'ny karajan'gnolo hômin'ny toerana ambony mandy. Jay te-hanompo dia tokony ho mpisorogna. 34Nanjary fahotana tamin 'ny fenakaven'i Jeroboama sy nahalasa ny fenakaveny ho potika sy ringagna teto ambonin'ny tany io.
Chapter 14

1Tamijany fotôgna jany dia narary be Abia janaka lahin'i Jeroboama. 2Hoy i Jeroboama tamin'ny vadiny hoe: "Mitsangagna are sady magnovà endrike, ba tsy ho fantatry ny olo fa vadiko anao, sady mandihana a Silo agne, fa agny no misy an'i Ahia mpaminagny; ijy no nivoria ny momba anahe, nilaja fa hanjary mpanjakan'ny olo io aho. 3Mitondrà mofo folo, mofomamy kelikely, sy tintely ray tavoangy, sady mandihana agny amin'i Ahia. Hilaja amiano je hitranga amin'io jaja io ijy."4Natan'ny vadin'i Jeroboama jane; dia nenga ijy sady nandeha a Silo agne, sady avy tan-dragnon'i nAhia. sady tsy nahita i Ahia; tsy nahita koa ijy nohon'ny fahaterane. 5Hoy i Yaveh tamin'i Ahia hoe: "Ito, hoa avy aminao eto ny vadin'i Jeroboama ba handremby toro-hevitra mahakasika ny janagny lahy, satria marary ijy. Jao sy jao lajaina anaje, satria laha avy ijy, dia magnano sary hôtran'ny viavy hafa ijy."6Laha regnin'i Ahia ny feon'ny hongony laha niditra ny varangaragna igny ijy, dia hoy ijy hoe: "Mandrosoa, a vadin'i Jeroboama. Nahôna anao magnano sary olo hafa? Nirahina hilaja vôvao ratsy hônao aho. 7Mandihana, lajay Jeroboama fa i Yaveh, n'Endremanitr'Israely, dia nijaka hoe: 'Natsangako tamin'ny olo anao ba hahatonga anao ho mpitarika ny vahôkan'Israely. 8Nalaiko tamin'ny fenakaven'i Davida ny fanajakana sady nameko anao jane, nefa anao die tsy hôtran'i Davida mpanompoko Davida, jay nitandrigna ny didiko sady nagnaraka Anahy tamin'ny fony manontolo, ba tsy hanao afa tsy ny marina amasoko eo.9Fa anao koja dia nagnano ratsy, mihôtra nohon'ny abiaby talohanao. Anao dia nanao andremani-kafa, nanao sarin-draha an-idigna ba hahavignitra Anahy, sady nagnilika Anahy hôndamosignao ao. 10Noho jane, hoavy hitondra loja amin'ny fenakavenao Aho; handringagna ny jaja lelahy abiaby a Israely ao Aho, na n'endevo na je afaka, sady hagnafôgna tanteraka ny fenakavenao, hôtran'ny olo magnoro jejika mandra-pahalevogne.11Na ija na ija an'ny fenakavenao je maty amin'ny tanàna ao dia hihan'emboa, sady na ija na ija maty an-saha agny dia hihan'ny voron'gny lagnitra satria Aho, Yaveh no efa nilaja anijane.' 12Ka mitsangàna, a vadin'i Jeroboama sady mipodiana an-dragnonao agne; laha miditra amin'ny tanàna ny hongotrao, dia ho faty i Abia. 13Hisôgna sady handevogna anajy ny Israely abiaby. Ijy hiany no tokagna hatamin'ny fenakaven'i Jeroboama halevigna agnaty fasagna ao. satria taminajy rery hiany tao, hatamin-dragnon'i Jeroboama ao, no nahitana raha tsara amason'i Yaveh teo. n'Endremanitr'Israely.14Yaveh hiany koa dia hanangagna mpanjakan'Israely raika je handringagna ny fenakaven'i Jeroboama amin'io andro io. Niany jany andro jane, jao d'ijao. 15F'i Yaveh dia hanafika an'Israely hôtran'ny volotara hojongojognin'ny rano, sady ijy dia hagnavotra an'Israely hiala amin'io tany tsara je nameny ny rajam-ben-dreo io. Hagnaparitaka an-dreo an-dafin'ny onin'i Efrata agny ijy, satria nagnano baon'Aseraha areo sady nahavignitra an'i Yaveh. 16Ijy die handao an'Israely noho ny fahotan'i Jeroboama, ny fahotana je natane, sady nitarihany an'Israely ba hanota."17Dia nitsangagna ny vadin'i Jeroboama ka nandeha, ka avy ta-Tirza tao. Laha avy tan-tokonam-barangaran'gny tragnony ijy, dia maty ny jaja. 18Nandevigna sy nisaogna anajy ny Israely abiaby, araka ny efa nilajaina tamin-dreo araka ny jakan'i Yaveh je nambarany tamin'elalan'ny Ahia mpaminagny mpanompony.19Ary ny raha hafa mahakasika an'i Jeroboama, ny nagnaramany ady sy nanjakane, die ito, nisoratana tamin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'Israely io. 20Nanjaka roy amby rôpolo taogna Jeroboama sady nodimandry niaraka tamin'ny rajambenay, ary Nadaba janagny lahy no nanjary mpanjaka tamin'ny toerany teo.21Ary Rehoboama janak'i Solomona no nanjaka ta-Joda tao. Raika amby efapolo taogna Rehoboama no nanjary mpanjaka, sady nanjaka fito amby folo taogna ta-Jerosalema tao ijy, ny tanàna je nifidin'i Yaveh tamin'ny fokon'Isarely abiaby hamilana n'egnarane. N'egnaran'iendriny die Nama je Amonita. 22Nanao je ratsy amason'i Yaveh teo i Joda; nampiteraka fahasarotam-piaro hônajy ny ota natan-dreo, mihôtra noho ny raha abiaby je efa natan'ny rajamben-dreo.23Fa areo koa dia nambôtra toerana ambony hôn-dreo, tsangam-bato, sy baon'Asehara magnodidigna ny tendrombohitra sy tambany hajo metso tegne. 24Nisy koa ny lelahy nivaro-tegna tamin'ny tany tao. Nagnano fahavetavetana fatan'ny firenena je niroahin'i Yaveh tagnatrehan'ny vahôkan'Israely teo areo.25Ary tamin'ny fahadimy taogna nanjakan'i Rehoboama mpanjaka no avy nanafika an'i Jerosalema i Sisaka mpanjakan'i Egypta. 26Nalainy aby ny harena tan-dragnon'i Yaveh, sy ny harena tan-dragnon'ny mpanjaka tao, Nalainy aby ny raha abiaby; nalainy koa n'empinga volamena abiaby je namboarin'i Solomona.27Nagnano ampinga varahigna tamin'ny toeran-dreo koa i Rehoboama Mpanjaka sady nagnankigna ny tan-tagnan'ny mpifehy ny mpiambigna, je miambigna ny 28varangaran'gny tragnon'ny mpanjaka. Isaky ny niditra tan-dragnon'i Yaveh n'empanjaka, dia nilajain'ny mpiambigna io; sady nandan-dreo nipody tamin'ny tragnon'ny mpiambigna tao.29Ary ny raha hafa mahakasika an'i Rehoboama, sy je natany abiaby, sa ve tsy efa vôsoratra agnatin'ny Bokin'ny tantaran'i Joda ao? 30Nisy ady mandrakariva tamin'i Rehoboama sy Jeroboama teo. 31Ka maty niaraka tamin'ny rajambeny i Rehoboama sady niaraka nalevigna tamin-dreo tamin'ny tanànan'i Davida tao. N'egnaran'iendriny dia i Nama jay Amonita. Abia janagny lahy no nanjary mpanjaka tamin'ny toerany teo.
Chapter 15

1Tamin'ny taogna fahavalo amby folo nanjakan'i Jeroboama janaka lahin'i Nebata, dia nanombnoka nanjaka tamin'i Joda i Abia. 2Nanapaka telo taogna ta-Jerosalema ijy. Imaka n'egnaran'iendrine. Janaka vavin'i Absaloma ijy. 3Nandeha tamin'ny fahotana abiaby je natan'iabany talohan'ny fotôgna ijy; ny fony dia tsy ba vôtokagna hôn'i Yaveh Andremaniny hôtran'ny fon'i Davida rajambene.4Na jany aja, noho nemin'i Davida, Yaveh Andremaniny dia nagnome fanilo anajy ta-Jerosalema tamin'elalan'ny fananganany ny janagny handimby anajy ba hambatanjaka an'i Jerosalema. 5Natan'Andremanitra anijany satria Davida dia nanao ny marina imasony teo; nandritra ny andro abiaby niagnany, tsy ba nivily tamijay rehetra nandidieny anajy ijy, afa tsy tamin'ny raharahan'Oria ny Hetita. 6Sady nisy ady tamin'i Rehoboama sy Jeroboama nandritra ny androm-piaignan'i Abia abiaby.7N'emin'io raha hafa mahakasika an'i Abia, die jay natany rehetra, sa tsy efa vôsoratra amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'i Joda ve io? Nisy ady tamin'i Abia sy Jeroboama teo. 8Maty niaraka tamin'ny rajambeny i Abia, ary die nalevin-dreo tamin'ny tanànan'i Davida tagny ijy. Asa janagny no nanjary mpanjaka tamin'ny toerany teo.9Tamin'ny taogna faha rôpolo nanjakan'i Jeroboama mpanjakan'ny Israely, dia nanomboka nanjaka tamin'i Joda teo Asa. 10Nanapaka nandritra ny raika amby efapolo taogna ta-Jerosalema tao ijy. Imaka n'egnaran'iendribene, ny janaka vavin'i Absaloma. 11Nanao ny marina tamason'i Yaveh i Asa, hôtran'je natan'i Davida rajambene.12Niroahany tsy hômin'ny tany ny lelahy mpijangajanga amin'ny fanompôn-sampy sady nalainy aby ny sampy je namboarin'ny rajambene. 13Nalainy tamin'ny maha-mpanjaka vavy anajy koa i Maka, iendribene, satria ijy nambôtra sampy mafarikoriko hatamin'ny baon'i Ashera. Nitapahin'i Asa ny sampy mafarikoriko ka nirôny tan-Dohasahan-drieka Kidrona tagne.14Fa je fitoerana ambony tsy ba nalaina. Na die jany aja, ny fon'i Asa dia vôtokagna hôn'i Yaveh tanteraka nandritra ny androny abiaby. 15Nandany hôn-dragnon'i Yaveh ny raha je vôtokagn'iabane, sy ny rahany je vôtokagna vita tamin'ny volafotsy sy volamena, sy ny fitôvana.16Nisy ady tamin'i Asa sy Basa mpanjakan'ny Israely, tamin'ny andron-dreo abiaby. 17Nagnano herisetra tamin'i Joda i Basa mpanjakan'ny Israely ka nanangagna an'i Rama, ba tsy hamelany ny olo henga na hiditra amin'ny tanin'i Asa mpanjakan'i Joda ao.18Ary dia nalain'i Asa ny volafotsy sisa tamin'ny efitra fagnatsarejana tamin'ny tragnon'i Yaveh, sy ny efitra fagnatsarejan'ny lapan'ny mpanjaka. Natany tan-tagnan'ny mpanompony sady nampagnateriny hôn'i Beni-hadada janaka lahin'i Tabrimoma janaka lahin'i Heziona; mpanjakan'i Syria; nipetraka ta-Damaskosy tagne. Hoy ijy: 19''Aleo hisy fijakana aminahy s'eminao, hôtran'ije nisy tamin'ny iabako sy iabanao teo. Ka igne, efa nampagnatitra volafotsy sy volamena ho fagnomejana hônao aho. Ravay fagnekenao sy Basa mpanjakan'i Israely, ba helany aminahe."20Niteno an'i Asa mpanjaka i Beni-hadada ka nandefa ny mpifehy ny tafigne, ary die nanafika ny tanànan'Israely areo. Nanafika an'i Iona, Dana, Abelabeti-maka, ary ny Kinerota abiaby, niaraka tamin'ny tanin'i Naftaly abiaby areo. 21Ary laha regnin'i Basa jany dia navelany ny fanganane an'i Rama ka nipody ta-Tirza ijy. 22Ary die nanao fagnambarana tamin'i Joda abiaby teo i Asa mpanjaka. Tsy nisy na raika afa-niala. Nalain-dreo aby ny vato sy hajon'ny Rama je nagnamboaran'i Basa ny tanàna. Ary die nampesain'i Asa Mpanjaka je fitôvana fagnamboarana an'io ba hananganana an'i Geban'i Benjamina sy Mizpa.23Nemin'ny raharaha hafa mahakasika an'i Asa, ny heriny abiaby, je natany abiaby, ny tanàna naorigny abiaby, tsy efa vôsoratra amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Joda ao ve jay? Kanefa nandritra ny androm-pahatirahany die narary tamin'ny hongony ijy. 24Ary die maty niaraka tamin'ny rajambeny i Asa ka die nalevigna niaraka tamin-dreo tamin'ny tanànan'i Davida iabane. I Josafata janagny lahy no nanjary mpanjaka nandimby anaje.25Nadaba janaka lahin'i Jeroboama nanomboka nanjaka tamin'ny Israely tamin'ny taogna faharoa nanjakan'i Asa mpanjakan'i Joda; nanjaka tamin'ny Israely nanritra ny roy taogna ijy. 26Nanao je ratsy tamason'i Yaveh teo ijy sady nandeha tamin'ny lalan'iabane, sy tamin'ny fahotane, jay nitarihany ny Israely hanota.27Basa janaka lahin'i Ahia, hatamin'ny fenakaven'Isakara, nikomy nanohitra an'i Nadaba; nivonin'i Basa ta-Gibetona, jay an'ny Filistina ijy, satria Nadaba sy Israely abiaby nanao fahirano ta-Gibetona. 28Tamin'ny taogna fahatelo nanjakan'i Asa mpanjakan'i Joda, dia namono an'i Nadaba i Basa ka nanjary mpanjaka tamin'ny toerany teo.29Vantany vô nanjary mpanjaka ijy, dia nivonin'i Basa ny fenakaven'i Jeroboama abiaby. Tsy nisy navelany ny ain'gny taranak'i Jeroboama; jany fomba jany no nandringagnany ny fenakaven'ny mpanjaka, araka je nambaran'i Yaveh tamin'i Ahia Silonita mpanompone, 30noho ny fahotan'i Jeroboama je natany sy je nitarihany ny Israely hanota, satria nangaika ny havigniran'i Yaveh, n'Endremanitrin'ny Israely ijy.31Nemin'ny raharaha hafa mahakasika an'i Nadaba, sy je natany abiaby, sa tsy efa vôsoratra amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Israely ve io? 32Nisy ady tamin'i Asa sy Basa mpanjakan'i Israely teo tamin'ny andron-dreo abiaby.33Tamin'ny taogna fahatelo nanjakan'i Asa mpanjakan'i Joda, dia nanomboka nanjaka tamin'i Israely abiaby ta-Tirza i Basa janaka lahin'i Ahia sady nanjaka nandritra ny efatra amby rôpolo taogna ijy. 34Nanao je ratsy tamason'i Yaveh teo ijy sady nagnaraka ny fomban'i Jeroboama sy ny fahotany je nitarihany ny Israely hanota.
Chapter 16

1Avy tamin'ny Jeho janak'i Hanany ny jakan'i Yaveh hanohitra an'i Basa, magnano hoe: 2"Na diefa nangala anao hiala amin'ny vovoka aja aho sy nanao anao ho mpitarika amin'Israely vahôkako eo, diefa nagnaraka ny fomban'i Jeroboama anao sady nampanota an'ny Isarely vahôkako, ba hahavignitra anahy amin'ny fahotan,-dreo.3Haringako tanteraka i Basa sy n'enkohonany ka hanao n'enkohonanao ho hôtran'enkohonan'i Jeroboama janak'i Nebata aho. 4Hohan'emboa ny olon'i Basa je maty an-tanàna, ary je voron'gny lagnitra die hihinagna ny olo je maty an-saha egne."5Nemin'ny raha hafa mikasika an'i Basa, je natane, sy je herine, trsy efa vôsoratra amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'Israely ao ve igne? 6Maty niaraka tamin'ny rajambeny i Basa ka nalevigna ta-Tirza tagne, ary Elaha janagny no lasa mpanjaka nisolo toerana nanaje.7Die lasa nanohitra an'i Basa sy fenakaveny ny jakan'i Yaveh tamin'elalan'ny Jeho mpaminagny janak'i Hanany, nohon'ny ratsy abiaby je natany tamason'i Yaveh, ba hahavignitra anajy amin'ny asan'ny tagnane, hôtran'ny fenakaven'i Jeroboama, ka satria efa namono fenakaven'i Jeroboama abiaby hiany koa ijy.8Tamin'ny fahenina amby rôpolo taogna nanjakan'i Asa mpanjakan'i Joda, die nanomboka nanjaka tamin'ny Israely ta-Tirza i Ela janak'i Basa; nanjaka nandritra ny roy taogna ijy. 9Zimry mpanompony, kapitenin'esasaky ny kalesane, dia nitetika hanohitra anaje. Ary ta-Tizra i Ela, ninognatôka tan-dragnon'i Azra, tamin'enkohonan'i Tirza. 10Die niditra i Zimry, nanafika sady namono anaje, tamin'ny faha fito amby rôpolo taogna nanjakan'i Asa mpanjakan'i Joda, ka nanjary mpanjaka nisolo toerany i Zimry.11Laha nanomboka nanjaka sy napetraka tamin'i seja fiendriagnany teo i Zimry, dia namono je fianakaven'i Basa abiaby ijy. Tsy nagnavela na die lelahy raika tamin'ny havana s'ekaman'i BVasa ho velogna ijy. 12Ka niringanin'i Zimry je fenakaven'i Basa abiaby, araka ny jakan'i Yaveh je nilajainy hanohitra an'i Basa tamin'elalan'ny Jeho mpaminagny, 13nohon'ny fahotan'i Basa abiaby sy fahotan'i Ela janagny je natan-dreo, sady nitarihan-dreo ny Israely hanota, ba ho nahafahan-dreo nangaika an'i Yaveh, n'Endremanitr'Israelyn ba ho vignitra amin'ny sampin-dreo.14Nemin'ny raha mikasika an'i Ela, je rehtra natane, tsy efa vôsoratra amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'i Israely ao ve igne?15Tamin'ny fahafito amby rôpolo taogna nanjakan'i Asa mpanjakan'i Joda, dia nanjaka ta-Tirza nandritra ny fito andro mandy i Zimry. Sady nidoby ta-Gibetona tao, tafiky Filistina, tafiky Fillistina. 16Je tafika nidoby tagny die naharegny feo hoe: "Nikonokonogna i Zimry sady efa namono n'empanjaka." Ka tamijany andro jany tan-toby tagne, ny Israely abiaby dia nagnambara an'i Omry, ba ho mpifehy tafike, ho mpanjaka amin'i Israely eo. 17Nandeha niakatra hata-Gibetona i Omry sy ny Israely abiaby niaraka taminaje, ka nagnano fahirano an'i Tirza areo.18Laha hitan'i Zimry fefa ajo ny tanàna, dia niditra tamin'ny ferovana mafy je nikambagna tamin'ny lapan'nyy mpanjaka tao ijy sady nagnoro ny tragno taminajy teo; tamijany fomba jany no nahafatesany tagnaty afo tao. 19Jay moa die nohon'ny fahotana vitany tamin'ny fanôvana je ratsy tamason'i Yaveh, tamin'ny fagnarahana ny fomban'i Jeroboama sy tamin'ny fahotana je efa natane, ba hitarika ny Israely hanota. 20Laha nemin'ny raharaha hafa mikasikan'i Zimry, sy ny fivadihana je natane, tsy efa vôsoratra amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'Israely ao ve igne?21Aviteo die nijaraina hôntoko rolahiteo ny vahôkan'Israely. Nagnaraka an'i Tibny janak'i Ginata n'esasaky ny vahôke, ba hagnano anajy ho mpanjaka, ary n'esasagny koja nagnaraka an'i Omri. 22Fa lalo nahery noho ny olo nagnara-dia an'i Tibny janak'i Ginata ny olo nagnara-dia an'i Omri. Ka maty i Tbnia; ka nanjary mpanjaka i Omri.23Nanomboka nanjaka tamin'ny Israely tamin'ny faha raika amby telopolo taogna nanjakn'i Asa mpanjakan'i Joda teo i Omry, ka nanjaka nandritra ny roy amby folo taogna. Nanjaka ta-Tirza nandritra ny eni-taogna ijy. 24Nividiny tamin'i Samera tamin'ny talenta volafotsy rolahiteo n'etampon-karan'gni Samaria, Nambotra tanàna tamin'etampon-karagna ijy sady araha n'egnaran'ny tanàna hoe Samaria, araka n'egnaran'i Samera, tompon'ny tampon-karagna taloha teo.25Nanao je ratsy tamason'i Yaveh i Omry sady ratsy fagnahy mihôtra je rehetra talohany teo. 26Fa nandeha tamin'ny lalana abiaby an'i Jeroboama janak'i Nebata sy je fahotany nitarihane ny Israely hanota, ba hangaika an'i Yaveh, n'Endremanitr'Israely, ba ho vignitra amin'ny sampin-dreo je tsisy dikany ijy.27Laha nemin'ny raharaha hafa mahakasika je natan'i Omry, sy hery je namboarine, tsy efa vôsoratra amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'Israely ao ve igne? 28Ka die maty niaraka tamin'ny rajagny i Omry ka nalevigna ta-Samaria ka die i Ahaba janaka lahy no nanjary mpanjaka nandimby ny toerane.29Tamin'ny fahavalo aùby telopolo taogna nanjakan'i Asa mpanjakan'i Joda dia nanomboka nanjaka tamin'ny Israely teo Ahaba janak'i Omry. Nanjaka tamin'i Israely ta-Samaria tao nandritra ny roy amby rôpolo taogna i Ahaba janak'i Omry. 30Nanao je ratsy tamason'i Yaveh teo i Ahaba janak'i Omry, mihôtra nohon'ny abiaby je taloha teo.31Raha tsy nisy dikany tamin'i Ahaba ny nandeha tamin'ny fahotan'i Jeroboama janak'i Nebata, ka dia nalainy ho vadiny i Jezebela janaka vavin'i Etibala, mpanjakan'ny Sidoniana; nandeha sady nanompo an'i Bala ijy ka nenkohoka taminaje. 32Nambôtra alitara hôn'i Bala tan-dragnon'i Bala ijy, naorigny ta-Samaria tagne. 33Die nambôtra baon'Aseraha i Ahaba. Bola nambôtra lavitra hôtran'io aja i Ahaba ba hahavignitra an'i Yaveh, n'Endremanitr'Israely, mihôtran'ny mpanjakan'Israely abiaby talohany teo.34Nandritra ny fitondran'i Ahaba, dia namerigna nambôtra an'i Jeriko i Hiela hata-Betela. Hiela die namela ny fototry ny tanàna tamin'ny ain'gni Abirama, janagny lahimatoa; die i Segoba, faralahine; die namoy ny aigny laha nagnamboarany ny vavahadin'ny tanàna, araka ny jakan'i Yaveh je nilajainy tamin'i Josoa janak'i Nona.
Chapter 17

1Elia je Tisbita, hata-Tisba a Gileada agne, nijaka tamin'i Ahaba hoe: "Laha bola velogna koa i Yaveh, n'Endremanitry ny Israely, je ijorôko alohany eo, dia tsy hisy ando na erika amitoy taogna toy laha tsy milaja anijany aho."2Avy tamin'i Elia ny jakan'i Yaveh, nanao hoe: 3"Melà eto ka mandihana mientsignanana, mivonia amin'ny lohasahan-driekE Kerita ao, antsignanan'i Jordana. 4Ka hinogna ny rano hatamin'io lohasahan-drieke io anao, ary efa nandidy ny goaika aho hamahagna anao agne."5Ka nandeha i Elia ka nagnano araka je nandidien'ny jakan'i Yavej. Nandeha ijy ba hipetraka amin'ny lohasahan-drieke Kerita ao, antsignanan'i Jordana. 6Nitondra mofo sy hena hônajy ny goaika saky ny maraigna die mofo sy hena saky hariva, sady ninogna rano tamin'ny lohasahan-drieke ijy. 7ka nefarany die ritra ny lohasahan-drieke satria tsy nisy erika tamin'ny tane.8Avy taminajy je jakan'i Yaveh, milaja hoe: 9"Mitsanagàna, mandihana a Zarefata agne, a Sidona io toerana io, 10ka mipitraha agne. Efa nandidy mpitondrategna tagny aho ba hampihinagna anao." Die nitsangagna ijy ka nandeha ta- Zarefata tagne, ary laha avy tam-bavahadin'ny tanàna ijy die nisy mpitondrategna raika namory tapa-kajo teo. Dia nangaika anajy ijy ka nagnano hoe: "Ba tondray rano kely agnaty sihô moa aho ba hinomiko."11Laha nandeha nangala rano ijy dia nangaika anajy ijy, ka hoy ijy: "Ba tondray mofo an-dragnonao egny moa aho." 12Die namaly ijy hope: "Laha bola velogna koa Yaveh Andremanitrao, dia tsy managna mofo aho, fa rahanina erakin'ny tanàna agnaty sihô sy menaka kely agnaty tavoangy fotsine. K'ito, mamosy tapa-kajo rolahiteo aho ba afahako miditra ao die mahandro an'io ba hônahy sy hôn'ny janako, ba hihinananay an'io, nefa ho mate." 13Hoy Elia taminaje: "Aja matahotra.? Mandihana ka atôvy araka je efa nilajinao, nefa ba amboary mofo kely aho alohake die ba andôsy mivôka aminahy eto. Ary laha vita jay die manôva hônao sy hôn'ny janakao.14Fa Yaveh, n'Endremanitry ny Israely, mijaka hoe: "Tsy ho fôgna ny sihôn-drahanina, na hiegnina handeha ny tavoangi-menake, mandra-peven'ny andro handatsahan'i Yvaeh erika an-tany eto." 15Die nanao araka je nilajain'i Elia taminajy ijy. Ijy amin'ny Elia, niaraka tamin'enkohonane, dia nihinagna nandritry ny andro maro. 16Tsy fôgna ny sihôn-drahanina, na die niegnina tsy nandeha ny tavoangi-menaka, araka je efa nilajain'ny jakan'i Yaveh, araka je vôlajany tamin'i Elia.17Tafaran'io raha io, dia narary ny janaky raviave, je tompon-tragno. Tena nahery vaika be n'eretigny ka tsy niaigna koa ijy. 18Ka hoy iendriny tamin'i Elia: "Ino no olagnao aminahe, ô lelahin'Andremanitra? Avy aminahy eto ba hampahatsiahy anahy ny fahotrako sady hamono ny janako ve anao?"19Die namaly anajy Elia hoe: "Ameo anahy ny janakao lahy." Nalainy tamin'ny sandriny ra jaja lelahy ka nandany niakatra tamin'ny efitra je nijanognane, ka die nampandrieny tamin'ny fandrieny teo ny jaja. 20Nihieka tamin'i Yaveh ijy sady nijaka hoe: "Yaveh Andremanitro ô, nitondra loja tamin'ny mpitondrategna je hivilako koa ve Anao, tamin'ny famonôna ny janagne?" 21Aviteo dia najijiny Elia intelo tagnay tamin'ny jaja; nihieka maré tamin'i Yaveh ijy sady nijaka hoe: "Yaveh Andremanitro ô, mitalaho Aminao aho, abilay moa ba hipody aminajy ny aign'itoy jaja toy."22Niteno ny feon'i Elia Yaveh; ka nipody taminajy ny aingn'io jaja io, ary die velogna indraika ijy. 23Nalain'i Elia ny jaja ka nandany nivôka tamin'ny efitragnony hidigna hôn-dragno; die nameny an'iendriny ny jaja sady hoy ijy: "Itoy, velogna janakao." 24Die hoy viavy igne tamin'i Elia: "Amijao fantatro fa lelahin'Andremanitra anao, sady ny jakan'i Yaveh am-bavanao die marina."
Chapter 18

1Ary laha afaka andro be be dia avy tamin'i Elia ny jakan'i Yaveh, tamin'ny taogna fahatelon'ny hain-tane, nanao hoe: "Mandihana, misehoa amin'i Ahaba die handefa erika amin'ny tany Aho." 2Nandeha niseho tamin'i Ahaba Elia; nefa mafy ny mosary ta-Samaria tagne.3Ahaba nangaika an'i Obadia, jay nendrekitra ny lapa. Ary Obadia nagnome voninahitra an'i Yaveh tokôtra, 4ka laha namono ny mpaminagnin'i Yaveh Jezebela, dia nangala ny mpaminagny jato ka namony an-dreo isan-dimampolo tan-dakato ka namahagna an-dreo tamin'ny mofo sy rano i Obadia.5Ary hoy Ahaba tamin'i Obadia: "Mandihana mitety tany hatamin'ny loharano sy ny lohasahan-drieka abiaby. Fa mety hahita ahi-metso hamilomana sôvaly s'empondra atsena, ba tsy hisy ho very ny biby fiompe abiaby." 6Ka nifampijaran-dreo ny tany ba andihanany amin'io sady andrombejany rano. Ahaba nandeha tamin'ny lalagna raika d'i Obadia nandeha tamin'ny lalagna hafa.7Laha bola tan-dalagna tegny Obadia, dia nifakatojo tampoka tamin'i Elia ijy. Obadia nahalala anajy ka nampekohoka ny tarehiny tamin'ny tane. Hoy ijy hoe: "Anao ve toy, ô Elia tompoko?'' 8Elia namaly anajy hoe: "Aho toy. Mandihana jakay ny tomponao hoe: 'Efa ato Elia.'"9Dia namaly Obadia hoe: ''Ino no fahotako, no die atolotrao an-tagnan'i Ahaba eo ny mpanomponao, ba hamonôny anahe? 10Laha bola velogna koa Yaveh Andremanitrao, dia tsisy firenena na fanjakana je tsy nandifasan'ny tompoko olo handremby anao. Na vena na vena no misy firenena na fanjakana mijaka hoe: 'Tsy ato Elia, die ampanôva,'i Ahaba fieniagnana hieniagnana fa tsy nahita anao areo. 11Nefa amijao hoy anao: 'Mandihana, jakay ny tomponao fa atsy Elia.'12Vantany miala aminao aho, ny fagnahin'i Yaveh hitondra anao amin'ny toerana tsy fantatro agne. Ka laha handeha aho ka hijaka amin'i Ahaba, ary laha tsy hahita anao ijy, dia hivoniny aho. Kanefa aho, mpanomponao, dia nanompo an'i Yaveh hatramin'ny fahatanorako. 13Tsy nilajaina taminao ve, a tompo, je natako laha nivonin'i Jezebela ny mpaminagnin'i Yaveh, ny fomba namoneko ny mpaminagnin'i Yaveh jato ka dimampolo aby no tagnaty lakato sy namahanako mofo sy rano an-dreo?14Amijao hoy anao aminahe: "Mandihana ka jakay ny tomponao fa eto Elia, ka die hivonina aho." 15Die namaly Elia hoe: "Laha bola velogna koa Yaveh tompon'ny rehetra, je hitsanganako agnatrehany eo, dia hiseho amin'i Ahaba tokôtra aho niany."16Ka nanjary Obadia nandeha ba hijery an'i Ahaba, sady nijaka taminajy je nilajain'i Elia. Die nandeha nihaogna tamin'i Elia n'empanjaka. 17Laha nahita an'i Elia i Ahaba, dia hoy ijy taminaje: "Anao ve io? Anao je ray mitondra korontagna hôn'Israely!"18Dia namaly Elia hoe: "Tsy nitondra korontagna hôn'Israely aho, fa anao sy fenakaven'iabanao no olo nampisy korontagna tamin'elalan'ny felanareo tamin'ny didin'i Yaveh st fagnarahanareo an'i Bala. 19Ka amijao, mandifasa filajana ka avorio aminahy eto ny Israely abiaby an-tendrombohitr'i Karmela ao, miaraka amin'ny mpaminagnin'i Bala 450 sy ny mpaminagnin'i Aseraha efajato je nihinagna tan-databatr'i Jezebela teo."20Die nandefa jaka tagny amin'ny vahôkan'ny Israely abiaby sy namory niaraka ny mpaminagny tan-tendrombohitr'i Karmela i Ahaba. 21Ary Elia nagnantogna ny vahôka abiab y ka nijaka hoe: "Mandra-pevena anao no ba hiova hevitra amin'io? Laha i Yaveh no Andremanitre, die magnaraha Anaje, Fa laha i Bala no Andremanitra, die magnaraha anje." Fa ny olo tsy namaly jaka anaje.22Die hoy i Elia tamin'ny vahôka hoe: "Aho, rerika hiany, no sisa mpaminagnin'i Yvahe, nefa ny mpaminagnin'ny Bala die olo 450. 23Ka aleo areo no hagnome aomby rolahiteo atsena. Aleo areo hifidy aomby raika hôn-dreo sy handrasa anijane, nsady hagnapetraka anijane amin'ny hitay, nefa tsy handrehitra afo ambanin'ijane. 24Die nikarakara n'eomby raika hafa aho ka hametraka anijany amin'ny hitay eo, sady tsy hagnisy afo ambanin'ijany eo. Die hangaika n'egnaran'Endremanitrareo anareo, ka aho koja hangaika n'egnaran'i Yaveh, ary n'Endremanitra je hamaly amin'ny afo, dia aleo ijy hôn-Dremanitre." Ka namaly ny olo abiaby sady nijaka hoe: ''Mety jane."25Ary hoy i Elia tamin'ny mpaminagnin'i Bala: ''Mifidiana aomby raika hônareo, ary omagno meloha io, fa olo rahabe anareo. Diengiho n'egnaran'endremanitrareo, nefa aja asiena afo ambanin'eomby eo." 26Die nangala n'eomby je name anajy areo ka nikarakara an'io, die nangaika n'egnaran'i Bala hatamin'ny maraigna zisiky ny mitatao vovognana areo, nanao hoe: Ô Bala, miteno anay." Nefa tsy nisy feo, na nisy namaly an-dreo. Nandihy nagnodidigna ny alitara namboariny areo.27Laha mitatao-vovognana dia nagneso an-dreo i Elia nagnano hoe: "Mangiha maharé mandy! fa andremanitra ijy! angaha bola mieritreritra ijy, na magnamevagna ny tegnane, na nisy dia nalehane, na angaha bola matory ijy ka tokony nifohajina." 28Fa bola nangaka maharé hiany areo, sady nandrasa ny tegnan-dreo, araka ny fatany matetika miaraka amin'ny mesa sy lefogna, mandra-pahalô-drà ny tegnan-dreo. 29Dikatra ny mitatao vovognana, dia bola nisafôka hiany ijy hatamin'ny fotôgnan'ny fagnatitra hariva, nefa tsy nisy feo na nisy namaly aja; tsy nisy niteno ny fitalahôn-dreo.30Dia hoy i Elia tamin'ny olo abiaby: "Magnantogna aminahy eto," dia nagnantogna ny alitaran'i Yaveh je rava tanteraka ijy. 31Nangala vato roy amby folo Elia, ny vato isanisany die magnamarika ny raika amin'ny fokon'ny janaka lahin'i Jakoba__die i Jakoba neven'ny jakan'i Yaveh, nanao hoe: "Israely no hôgnaranao." 32Tamin'io vato io no nagnamboarany ny alitara tamin'egnaran'i Yaveh sady ijy die nandavaka hady kele magnodidigna ny alitara angeja be homby vôn-draha indroin'ny fagnaranana.33Nandahatra ny hitay hôn'ny afo ijy, nanetitetika n'eombe, sady nametraka io aomby vôtetitetika tamin'ny hitay. Hoy ijy hoe: "Fenoy rano sihô efatra ka ararahy amin'ny fagnatitra rôna sy amin'ny hitay eo." 34Die hoy ijy: "Atôvy fagnindroine igne. Die hoy indraika ijy: "Atôvy fagnintelony igne," die natan-dreo fagnintelone. 35Die niraraka nagnodidigna ny alitara ny rano ka nameno ny hady kele.36Nitranga io tamin'ny fotôgnan'ny fagnatitra tamin'ny sorogna amin'ny hariva, ary Elia mpaminagny die nagnantogna narivo ka nijaka hoe: "Ô Yaveh, Andremanitr'i Abdrahama amin'ny Isaka sy Israely, aleo ho fantatra eto niany fa Anao no Andremanitra amin'ny Israely eto, ary aho dia mpanomponao, ka nanao anijao raha abiaby jao araka ny jakanao aho. 37Mitenoa anahe, a Yaveh, mitenoa anahe, ba hahafantaran'ny olo ito fa Anao, Yaveh die Andremanitra, sady Anao no nampitodika ny fon-dreo taminao indraike."38Ary ny afon'Yaveh nilatsaka ka nandevogna ny fagnatitra rôna, sy ny hitae, ny vato, ary ny vovoke, sady nandritra ny rano tamin'ny hady kely tao. 39Laha nahita anijay n'olo abiaby, dia nampekohoka ny tarehiny tamin'ny tany teo sady nijaka hoe: "Yaveh, Ijy no Andremanitre! Yaveh, Ijy no Andremanitre!" 40Ka hoy i Elia tamin-dreo: "Sambory je mpaminagnin'i Bala. Aja avela hisy hilefa areo na die raika aja." Ka nisamborina areo, ary d'i Elia nitondra ny mpaminagnin'i Bala io nidigna tamin'ny lohasahan-drieke Kisona sady namono an-dreo tagne.41Hoy i Elia tamin'i Ahaba: "Mitsangàna, mihinàna sady minoma, fa jay ny feon'ny erika be." 42Ka die niakatra ba hihinagna sady hinogna i Ahaba. Die niakatra tan-tampon'i Karmela i Elia, niondrika tamin'ny tany teo ijy, sady nametraka ny tavany tagnelagnelan'gny lohaligne.43Ary hoy ijy tamin'ny mpanompone: "Mekara amijao, ka mitsinjova amin'ny ranomasina egne." Die niakatra mpanompony ka nitsinjo ka nanao hoe: "Tsisy na ino na ino." Die hoy indraika Elia: "Mandihana indraika, impito." 44Ary laha fagnim-pitony die hoy ny mpanompone: "Io, misy rahogna miakatra hatamin'ny ranomasina, kely hôtran'ny tagnan'olo." Die namaly Elia hoe: "Mekara ka lajay amin'i Ahaba hoe: 'Atôvy vognona ny kalesanao ka midigna melohan'ny hanakanan'ny erika anao.'"45Ary vetivety fotsiny laha niha-mentin'ny rahogna sy rivotra ny lagnitra, dia nisy erika be. Ary i Ahaba nideba kalesa ka niakatra nandeha a Jezirela, 46f'i tagnan'i Yaveh dia momba an'i Ahaba. Nisikigna n'ekanjony tamin'ny fehin-kibony ijy sady nihajakajaka talohan'i Ahaba tamin'ny fidirana miditra a Jezirela ao.
Chapter 19

1Nilajain'i Ahaba tamin'i Jezebela aby je rehetra natan'i Elia sy namonôny ny mpaminagny abiaby tamin'ny mesa. 2Ary Jezebela nandefa mpitondra hafatra tagny amin'i Elia, nilaja hoe: ''Hatan'endremanitra aminahy anie jane, mihôtra noho jany aja aja, laha tsy hatako ho hôtran'ny ain'ny raika tamin'io mpaminagny je maty io ny aignao ampitso amin'ny lera hôtranijao." 3Laha regnin'i Elia jane, dia nitsangagna ijy ka nenga nilefa namonjy ny aigny ka nandeha a Beri-sheba, je an'i Joda, ka navelany teo ny mpanompone.4F'ijy nandeha lalagna indraika andro tantetefitra tagne, dia avy ka nitoboka tambany hajo kamafam-bohitre. Nangataka ny ho maty ijy, ka nanao hoe: "Ampy jay, amijao, a Yaveh; alay ny ainko, satria tsara noho ny rajambeko aho." 5Ka die natory nentsilagny tambanin'ny kamafam-bohitra ijy. Tampoka teo die nisy anjely nikasika anajy ka nijaka taminajy hoe ''Mifohaja sady mihinàna." 6Nijery i Elia, ka nisy mofo vôendy tamin'ny vato mahamay sy rano ray tavoangy narivo lohany. Ary nihinagna sady ninogna ijy ka natory nentsilagny indraike.7Avy fagnindroiny indraika n'enjelin'i Yaveh, ka nikasika anajy sady nijaka hoe: "Miarena ka mihirà, satria hôlavitra aminao ny dia." 8Ka nitsangagna ijy ka nihinagna sady ninogna, ary nandeha tamin'ny hery ajony tamin'io rahanina nandritra ny efapolo andro sy efapolo aligna hô Horeba, ny tendrombohitr'Andremanitre.9Nandeha tamin'ny lakavy raika tagny ijy ka nitoboka tamijany ao. Die avy taminajy ny jakan'i Yaveh ka nilaja taminajy hoe: "Ino atanao ato, ô Elia" 10Namaly Elia hoe: "Be jotom-po hôn'i Yaveh, Andremanitra tompon'ny rehetra aho, saria efa nahafoy ny fagnekenao ny olon'Israely, nandrava ny alitaranao, sady namono ny mpaminagninao tamin'ny mesa. Amijao aho, dia aho rere, sisa nivela sady mifofo ny ainko koa areo."11Namaly Yaveh hoe: "Mivoaha die mitsangàna amin'ny tendroùbohitra alohako eo." Ary nandalo i Yaveh, ka nisy rivotra mahery namely ny tendrombohitra sady namaky ny vatolampy ho potipotika tagnatrehan'i Yaveh, kanefa tsy tagnatin'ny rivotra i Yaveh. 12Ary tafaran'ny rivotre, die nisy horohoron-tany avy, kanefa tsy tagnatin'ny horohoron-tany i Yaveh. Tafaran'ny horohorn-tany dia avy ny afo, kanefa tsy tagnatin'ny afo i Yaveh. Tafaran'ny afo, die nisy feo malefaka avy.13Laha regnin'i Elia ny feo, dia nitakofany tamin'ny lambany tarehine, nivôka ijy, sady nitsangagna tamin'ny fidiran'ny lakavy teo. Die nisy feo avy taminajy nagnano hoe: "Ino atanao eto, a Elia?" 14Namaly Elia hoe: "Be jotom-po hôn'i Yaveh, Andrelanitra tompon'ny rehetra aho, fa ny olon'Israely nahafoy ny fagnekenao, nandrava ny alitaranao, sady namono ny mpaminagninao tamin'ny mesa. Amijao, aho rere sisa nivela sady mifofo ny ainko koa areo."15Ary Yaveh nilaja taminajy hoe: "Mandihana, miviregna amin'ny lalagnao hôgnefitr'i Damaskosy, ka laha avy agn'enao dia hagnosotra an'i Hazaela ho mpanjakan'i Syria, 16sady enao hagnosotra an'i Jeho janaka lahin'i Nimsy ho mpanjakan'ny Israely, ary anao hagnosotra an'i Elisa janaka lahin'i Safata hat-Abela-meloha agny ho mpaminagny handimby toeranao.17Ary amijany dia hivonin'i Jeho je rehetra tafalefa tamin'ny mesan'i Hazaela, hivonin'i Elisa je rehetra tafalefa amin'ny mesan'i Jeho. 18Kanefa Aho hamela olo fito arivo hônahy a Israely agne, hônijay nandohalika ka tsy nenkohoka tamin'ny Bala, sy ny vava je tsy bola nagnoroka anaje."19Ka nenga teo i Elia ka nahita an'i Elisa janaka lahin'i Safata, je niasa niaraka tamin'ny ziogan'aomby roy amby folo talohane, sady ijy rery mandy niasa niaraka tamin'ny zioga faha-roy amby folo. Nandeha tamin'i Elisa i Elia ka nandrakotra ny lambany taminaje. 20Aviteo dia nandao n'eombiny i Elisa ka nihajakajaka nagnanjaka an'i Elia; hoy ijy: "Abilay moa aho ba hagnoroka an'iabako sy iendriko, die hagnaraka anao aho aviteo." Dia hoy i Elia taminaje: "Mipodiana are, kanefa eritreretò jefa natako taminao."21Ka nipody hatamin'i Elia i Elisa ary nangala ny ziogan'aombe, namono ny biby, sady nahandro hena tamin'ny hajo ziogan'aombe. Dia nameny ny olo jay ka nihinagna areo. Aviteo die nitsangagna ijy, nagnaraka an'i Elia sady nanompo anaje.
Chapter 20

1Namory tafigny hitambatra i Beni-hadada mpanjakan'i Syria. Nisy mpanjaka kely roy amby telopolo niaraka taminajy sy kalesa. Niakatra ijy, nagnano fahirano an'i Samaria sady niady nanohitra anijay. 2Nandefa iraka nandeha amin'ny tanàna hôn'i Ahaba mpanjakan'Israely ijy, ka nijaka taminajy hoe: "Jao no lajain'i Beni-hadada hoe: 3'Ny volafotsinao sy volamenanao die anahe. Ny vadinao sy janakao koa, je farany tsara die anahy amijao.'"4Namaly n'empanjakan'iIsraely ka nijaka hoe: "Ho tanteraka araka je jakanao jane, a mpanjaka, tompoko. Aho sy je rehetra hanagnako dienao." 5Avy koa ny raka ka nanao hoe: "Jao no lajain'i Beni-hadada hoe: 'Nandefa feo taminao aho fa anao tsy mentsy hanolotra ny volofotsinao, ny volamenanao, ny vadinao, sy je janakao hônahe. 6Nefa hagniraka ny mpanompoko aminao agny aho ampitso amin'ny lera hôtranijao, ka handremby tragnonao sy tragnon'ny mpanomponao areo. Hanambotra areo ka hangala je rehetra mafinaritra i mason-dreo.'"7Ary die nangaika ny loholon'ny tany tany abiaby niaraka tamin'ny mpanjakan'Israely ka nanao hoe: "Ba reso an-soratra ka jirevo ny fomba handrombejan'itoy lelahy toy olo. Efa nandefa feo taminahy ijy ba hangalana ny vadiko, ny janako, ny volafotsiko sy volamenako, sady tsy bola nandà anajy aho." 8ny loholo abiaby sy vahôka abiaby nijaka tamin'i Ahaba hoe: "Aja miteno anajy na magneky je fangatahane."9Die hoy i Ahaba tamin'ny irak'i Beni-hadadfa hoe: "Lajay ny mpanjaka tompoko hoe: 'Magneky ny raha abiaby je nagnirahanao ny mpanomponao hatao tamin'ny vôlohany aho, kanefa tsy afaka hagneky an'itoy fangatahana faharoy toy aho.'" 10Ka nenga ny iraka nitondra je valin-teny jay tamin'i Beni-hadada. Die nandefa ny valin-teny tamin'i Ahaba i Beni-hadada, ka nanao hoe: "Enga anie n'endremanitra hanao anijany aminahy na mihôtra aja, laha ho ampy hanagna erakin'ny tagnana aby amin'ny lakevin'gni Samaria ny vahôka abiaby je magnaraka anahe."12Namaly n'empanjakan'Israely ka nagnano hoe: "Lajay i Beni-hadada hoe: 'Tsisy olo mametraka fiediene, ka tokony hirehareha hômin'angalany anijane.'" 12Die naharegny anijay hafatra jay i Beni-hadada laha ninogna ijy, dia ijy sy mpanjaka ambaniny je tagnatin'ny lain-dreo tao. Beni-hadada nandidy ny lelahiny hoe: "Milahara hômin'ny ady anareo." Die nagnomagna ny tegnan-dreo hômin'ny ady areo ba hamely ny tanàna.13Igne, nisy mpaminagny avy tamin'i Ahaba mpanjakan'Israely teo ka nagnano hoe: "Hoy i Yaveh: 'Efa hitanao ve toy tafika be toy? hamela an'io an-tanànao aho niany, ary ho fantatrao marina fa aho no Yaveh.'" 14I Ahaba namaly hoe: "Amin'elalan'ija?" Die namaly Yaveh ka nagnano hoe: "Amin'elalan'ny tanora mannam-pahefana je nanompo ny governoran'ny distrika." Die Ahaba nanao hoe: "Ija hanomboka n'iady?'" Namaly Yaveh hoe: "Anao." 15Die nanambatra ny tanora manam-pahefana je nanompo ny kômandin'ny isan'antokony i Ahaba. Nahavôvory 232 ijy. Tafaran-dreoi dia nanambatra ny maramila abiaby ijy; ny tafik'Israely abiaby; je miisa fito arivo(7000).16Nivôka tamin'ny mitatao vovognana areo. Beni-hadada diefa avy ninogna ka mamo ijy tan-dainy tao, ijy amin'ny mpanjaka kely roy amby telopolo je nanohagna anajy. 17Ny tanora manam-pahefana je nanompo ny kômandin'ny isan'antokony no nandroso meloha. Dia nampahalalain'ny tily je nirahiny i Beni-hadada hoe: "Misy lelahy nivôka hata-Samaria."18Hoy i Beni-hadada hoe: "Na tamin'ny filaminana na tamin'ny ady no nivoahan-dreo, die sambory velogna areo." 19Die nivôka ny tanàna ny tanora manam-pahefana je nanompo ny governoran'ny isan'antokony ka nagnaraka an-dreo ny tafike.20Namono fahavalony aby areo ka nilefa ny Samaria. Nagnanjaka an-dreo ny Israely. Beni-hadada mpanjakan'i Syria koja nilefa tamin'ny sôvaly niaraka tamin 'ny mpideba sôvaly sasagne. 21Ary nivôka ny mpanjakan'Israely ka nanafika ny sôvaly sy kalesa, sady namono ny Syriana tamin'ny famonôna be.22Dia nagnantogna ny mpanjakan'Israely ny mpaminagny ka nijaka taminajy heo: "Mandihana, hatanjahy tegnanao, ka takary sy omagno je atanao, satria tamin'ny herin-taogna die hiakatra hanohitra anao indraika n'empanjakan'i Syria." 23Ny mpanompon'ny mpanjakan'ny Syria nijaka hoe: "N'endremani-dreo die andremanitry ny vohitre. Jany no an,tony mampatanjaka an-dreo nohôtsena. Fa jao anefa, andao atsena hiady amin-dreo amin'ny lemaka egne, ka ho ajo antoka fa hahery nohôn-dreo atsena.24Noho ja,y die jao no tsy mentsy atanao: alay amin'ny toeran'ny fahefany teo ny mpanjaka abiaby ka soloy mpifehy maramila areo. 25Manangàna tafika hôtran'ny maty teo__sôvaly solon'ny sôvaly die kalesa solon'ny kalesa__ ba hahafahantsena miady amin-dreo amin'ny lemaka egne. Die ho ajo antoka fa hahery nohôn-dreo atsena." Die niteno ny torohevi-dreo i Beni-hadada ka nanao je natoron-dreo.26Tafaran'ny fetombohan'ny tambôvao, die nagnambara ny Syriana i Beni-hadada ka niakatra hô Afeka ba hiady amin'Israely. 27Navory ny vahôkan'Israely ka nentohana vatsy ba hiady amin-dreo. Nidobytalohan-dreo hôtran'ny andien'osy kely roy toko ny vahôkan'Israely, nefa ny Syrianina nameno ny tane.28Die nagnantogna narivo ny lelahin'Andremanitra raika ka nijaka tamin'ny mpanjakan'ny Israely hoe: ''Hoy Yaveh hoe: 'Satria ny Syriana efa nijaka fa Yaveh die andremanitry ny vohitre, fa tsy ba andremanitrin'ny lohasaha, die habelako an-dragnonao itoy tafika angeja be toy, die ho fantatrao fa Aho no Yaveh.'"29Die nidoby nifanandrify ny tafika nandritra ny fito andro. Sady nanomboka ny ady tamin'ny andro fahafito. Namono Syriana mpandeha hongotra 100.000 ny vahôkan'Israely in-draika andro. 30Je sisa nilefa t-Afeka tagne, tamin'ny tanàna tao, die lavo tamin'ny lelahy fitôrivo sy roy aligna je nivela tamin'ny manda. Nilefa i Beni-hadada ka nandeha tamin'ny tanàna, tagnaty efitragno raike.31Nijaka taminajy ny mpanompon'i Beni-hadada hoe: "Amijao die regninay fa ny mpanjakan'ny janak'Israely die mpanjaka mpamindra fo. Ba avilay moa ahay hisikigna lamba fisôgnana amin'ny valahagnay eo miampy tady amin'ny lohanay eo, ka hivôka hômin'ny mpanjakan'Israely. Mety ba hamindra fo aminao angamba ijy." 32Ka nisikigna lamba fisôgnana tam-balahan-dreo miaraka amin'ny tady tan-dohan-dreo die aviteo nandeha amin'ny mpanjakan'Israely ka nagnano hoe: "Beni-hadada mpanomponao nijaka hoe; 'Ba avilay moa aho ho velogna.'" Hoy i Ahaba hoe: "Bola velogna ve ijy? Rahalahiko ijy."33Ary die niteno je ho famantarana hatamin'i Ahaba ny lelahy, ka namaly anajy malaky areo hoe: "Eka, Beni-hadada rahalahinao die velogna." Die hoy i Ahaba hoe: "Mandihana ka andôsy ijy." Aviteo die avy taminajy i Beni-hadada, ka tafiakatra tamin'i Ahaba tagny tamin'ny Kalesany ijy. 34Beni-hadada nijaka tamin'i Ahaba hoe: "Ampodiko aminao ny tanàna je nalain'iabako tamin'iabanao, ka afaka manao fivarotana hônao a Damaskosy agny anao, hôtran'ny natan'iabako ta-Samaria tagne." Namaly Ahaba hoe: "Abelako handeha miaraka amitoy fifagnekem-pihavanana toy anao." Ka nanao fagnekem-pihavanana taminajy i Ahaba ka aviteonigny die namela anajy henga.35Nisy lelahy raoka, raika tamin'ny janaka lahin'ny mpaminagny, nijaka tamin'ny raika tamin'ny mpaminagny akamany tamin'ny jakan'i Yaveh hoe: "Ba vilejo aho." Fany nandà tsy hamely anajy io lelahy io. 36Die nijaka tamin'ny mpaminagny akamany ny mpaminagny hoe: "Satria anao tsy nankatò ny feon'i Yaveh die hisy liogna hamono anao." Laha vantany nandao anajy io lelahy io, die nisy liogna nitsambokogna ka namono anaje.37Aviteo die nahita lelahy hafa raika indraika ny mpaminagny kq nijaka hoe: "Ba vilejo aho." Ka dia namely anajy io lelahy sady namôratra anaje. 38Die nenga mpaminagny ka nandigny n'empanjaka tamoron-dalagna teo; nagnova ny endrigny tamin'ny fehy tamin'ny masony ijy.39Laha nandalo igny n'empanjaka ny mpaminagny ka nijaka hoe: "Nivôka hôgnaty ady mangotraka n'empanomponao, die maramila raika raika no nanakagna sady nitondra fahavalo hônahy ka nijaka hoe: 'Jirevo toy lelahy toy. Laha tsy hita amin'ny fomba abiaby ijy, die ny aignao hame hatao solon'ny aigne, na laha tsy jay die handoa talenta volafotsy anao.' 40Nefa satria n'empanomponao die bola rekitra tamin'ny fandihanana tetsy sy teroa, die nilefa ny maramila fahavalo." Aviteo die nijaka taminajy n'empanjakan'israely hoe: "jao no ho sajinao__anao jao mihintsy no nanapa-kevitra anijane."41Die nivahany malaky nyh fehy tamin'ny masony ny mpaminagny, sady fantatry mpanjakan'israely fa raika tamin'ny mpaminagny ijy. 42Hoy io mpaminagny io tamin'ny mpanjaka hoe: "Yaveh mijaka hoe: 'Satria efa nabelanao handeha hatan-dragnonaoeo io lelahy je nididieko ho fate, die ny aignao hisolo toerana ny aigne, sady ny vahôkanao hisolo vahôkane.'" 43Ka vignitra be sady naseka ny mpanjakan'Israely nandeha tan-dragnone, sady avy ta-samaria tagne.
Chapter 21

1Fotôgna vitsy taty afara, nanagna tanim-bôloboka ta-Jezirela i Nabota jay Jezerelita, narivo lapan'i Ahaba, mpanjakan'i Samaria. 2Nivoria tamin'i Nabota i Ahaba nagnano hoe: "Ameo anahy ny tanim-bôlobokao, ba hatako zaridaignan-trakako, satria marivo tragnoko. Hameko tanim-bôloboka tsaratsara noho io anao ba ho takalone, na je raha ba tienao, die hameko vola vidin'io anao.3Namaly an'i Ahaba i Nabota hoe: "Hirarànn'i Yaveh any hoy je tokony lovan'ny rajambeko ameko anao." 4Ka die nandeha tamin'ny lapam-pivignirana tao ka die sorena i Ahaba laha naharegny valin-teny namen'i Nabota jay Jezerelita anajy hoe: "Tsy hameko anao ny lovan'ny rajambeko." Natory nentsilagny tam-pandreny ijy, nagnodigna tarehiny, sady tsy nety nihinan-kanina ijy.5Jezebela vadiny nandeha taminajy ka nijaka taminajy hoe: "Nahôna no malahelo lôtra fonao, jany ve die tsy hihinananao hanina?'" 6Hoy ijy taminajy: "Nivoria tamin'ny Nabota ny Jezirelita aho ka nijaka taminajy hoe: "Ameo anahy i tanim-bôlobokao atakaloko vola, na laha tienao die hameko tanim-bôloboka hafa hônao anao.' Die namaly ijy hoe: 'Tsy hameko anao i tanim-bôloboko.'" 7Die namaly i Jezebela vadiny hoe: "Fa tsy bola manapaka ny fanjakan'ny Israely ve moa anao? Mitsangàna ka mihinana; aleo ba ho falifaly fonao. Halaiko hônao ny tanim-bôlobok'i Natota jay Jezirelita8Ary Jezebela nanoratra taratasy amin'egnaran'i Ahaba, nitombohany tamin'ny tombon-kase jane, ary die nalefany tamin'ny loholo sy ny mpanankarena je nipetraka niaraka taminajy tamin'ny fihôgnana tao, ary hônije nipetraka narivo an'i Nabota jane. 9Nisoratany tamin'ny taratasy tao hoe: "Magnambarà fifadien-kanina ka apitraho ambonin'ny vahôka i Nabota. 10Mamitraha mandy koa olo tsy marina rolahiteo miaraka aminaje ka aleo areo hempanga anajy hoe: ' Nagnojogna an'Andremanitra sy mpanjaka anao.'" Ary die avoahy ijy ka tilio vato ba ho fate.11Ka nanao nagnano je nifariparitan'i Jezebela tamin-dreo, araka ny vôsoratra amin'ny taratasy je nalefany hôn-dreo ny lelahin'ny tanànane tao, ny loholo sy mpanankarena je nipetraka tamin'ny tanànan'i Nabota. 12Nagnambara fifadien-kanina sy nagnapetraka an'i Nabota tambonin'ny vahôka teo areo. 13Niditra ny lelahy tsy marina rolahiteo die nitoboka talohan'i Nabota tamin'ny fagnatrehan'ny vahôka an-dreo teo, ka nanao hoe: "Nagnojogna an'Andremanitra sy mpanjaka i Nabota." Ary die nandan-dreo nivôka ny tanàna ijy ka nitilina vato ba ho mate. 14Aviteo ny loholo dia nandefa tamin'i Jezebela tagny ka nagnano hoe: "Nitilina vato i Nabota ka mate."15Ary laha regnin'i Jezebela fa nitilina i Nabota ka mate, dia hoy ijy tamin'i Ahaba: "Mitsangàna die alay ho fanagnana tanim-bôlobok'i Nabota jay Jezirelita, je nandà ny hagnome anao vola ba ho sandane, satria efa tsy velogna koa i Nabota, fefa mate." 16Laha regnin'i Ahaba fa maty i Nabota, die nitsangagna ijy ka nidigna tamin'ny tanim-bôlobok'i Nabota jay Jezirelita tagne ka nangala rahany hônaje.17Ay avy tamin'i Elia ny Tisbita ny jakan'i Yaveh hoe: 18"Mitsangàna ka mandihana mihaogna amin'i Ahaba mpanjakan'Israely, je mipetraka a Samaria agne. Amin'ny tanim-bôlobok'i Nabota ao ijy, agny amije nandihanany ba halainy ho fanagnana.19Tsy mentsy mivoria aminajy anao ka lajay hoe jao no lajain'i Yaveh: 'Sady efa namono ve anao no bola natanao ho fatao mandy koa?' Ary hilajainao anajy hoe jao no lajain'Yaveh: "Amin'ny toerana je nilifasan'emboa ny ran'i Nabota, no hililafan'emboa ranao koa, die tena ranao.'" 20Hoy i Ahaba tamin"i Elia: "Efa nahita anahy ve anao, a fahavaloko?" die namaly i Elia hoe: 'Efa hitako anao, satria efa nivarotran'ny tegnanao ba hagnano je ratsy amason'i Yaveh anao.21Jao no lajain'i Yaveh aminao: 'Hitondra loja aminao eo sy hanimba tanteraka sady hamongotra aminao eo ny janaka lahy abiaby sy n'endevo ary je lelahy afaka mandeha a Israely ao Aho. 22Hatako hôtran'ny fenakaven'i Jeroboama janaka lahin'i Nebata ny fenakavenao, ary hôtran'ny fenakaven'i Basa janaka lahin'i Ahia, satria nangaika Anahy tamin'ny havignirana ka nitondra an'ny Israely hanota anao.'23Yaveh hiany koa dia nivoria momban'i Jezebela hoe: 'Hihinagna an'i Jezebela marivo ny mandan'ny Jezirela eo n'embia.' 24Je an'i Ahaba abiaby ka maty tan-tanàna tao, dia hohanin'emboa: ary ny vorogna amin'ny lagnitra egny hihinagna je rehetra maty an-saha agne."25Tsy nisy olo hôtran'i Ahaba, je nivarotra ny tegnany ba hanao je ratsy amason'i Yaveh eo, je nampirisihin'i Jezebela vadiny hanota. 26Nagnano asa vetaveta hôn'ny sampy arahiny i Ahaba, hôtranije rehetra efa natan'ny Hamorita, je nalain'i Yaveh tagnatrehan'ny olon'ny Israely.27ha regnin'i Ahaba io jaka io, dia nandrota n'ekanjony ijy ka nagnano akanjo fisôgnana sady nifady hanina, natory tamin'ekanjo fisôgnana sady nalahelo mafe. 28Diavy tamin'i Elia ny Tisbita ny jakan'i Yaveh hoe: 29"Hitanao ve ny fagnetren-tegnan'i Ahaba eto agnatrehako? Satria manetry tegnany agnatrehako eto ijy, dia tsy hitondra ny loja efa hoa vy amin'ny androny Aho; amin'ny andron'ny janagny lahy no ba hitondrako loja amin'ny fenakaveny eo."
Chapter 22

1Nandritra ny telo taogna dikatra die tsy nisy ady tamin'i Arama sy Israely teo. 2Ary tamin'ny taogna fahatelo, die nidigna tamin'ny mpanjakan'i israely tagny i Josafata mpanjakan'i Joda.3Ary ny mpanjakan'i Israely diefa nijaka tamin'ny mpanompony hoe: "Ba fantatrao ve fa Ramota-gileada die atsena, fany tsy manao na ino na ino atsena ba hangalana anijany an-tagnan'i mpanjakan'i Arama eo?" 4Die hoy ijy tamin'i Josafata: "Hiaraka aminahy hiady a Ramota-gileada agny ve anao?" Josafata namaly an'empanjakan'i Israely hoe: "Aho die hôtranao, ny vahôkako die hôtran'ny vahôkanao, ary ny sôvaliko die hôtran'ny sôvalinao?"5Hoy i Josafata tamin'ny mpanjakan'Israely hoe: "Mandrombeja moa tari-dalagna hatamin'ny feon'i Yaveh ny amije tokony hatyanao vôlohane." 6Die nampivory ny mpaminagny niaraka tamin'ny mpanjakan'Israely, lelahy efajato, sady jakay areo hor: "Tokony hô-Ramota-gileada ve aho ba hiady, sa tsy tokone?" Die hoy areo hoe: "Manafiha, fa ny Tompo hagnome anijane hôn-tanan'ny mpanjaka."7Fa hoy i Josafata hoe: "Tsisy mpaminagnin'Andremanitra hafa je mety hahajo atsena koa ve eto?" 8Die hoy ny mpanjakan'Israely tamin'i Josdafata hoe: "Bola misy lelahy raika je mety hahajahôntsena hevitra hatamin'i Yaveh ba ho fagnampena, Mikaia janaka lahin'i Jimia, fany halako ijy satria tsy ba maminagny raha tsara mahakasika anahe, fa loja hiany?" Fa hoy i Josafata hoe: "Tsy hijaka anijany mihintsy laha ny mpanjaka." 9Die nangaika manam-pahefana raika n'empanjakan'i Israely ka nagnome beko hoe: "Andôsy atoy i Mikaia janaka lahin'i Imla, jao d'ijao."10Ary hoy Ahaba mpanjakan'Israely sy i Josafata mpanjakan'i Joda die samy nitoboka tamin'ny seja fiendriagnana aby, nekanjo n'ekanjon-dreo, tamin'ny toerana malalaka tamin'ny fidiran'ny vavahadin'i Samaria, sy ny mpaminagny abiaby die naminagny talohan-dreo teo. 11Zedekia janaka lahin'i Kenana dia nagnano tandroka vy sady nijaka hoe: "Jao no vôlajan'i Yaveh: 'Amitoy no hagnatonôna an'ny Syriana mandra-paharingagne.'" 12Ary je mpaminagny die naminagny nitove, nagnano hoe: "Tafiho Ramota-gileada ka majahoa fandresena, fa i Yaveh efa nanolotra anahy hôn-tagnan'ny mpanjaka eo."13Ny mpitondra hafatra je nandeha nangaika an'i Mikaia nijaka taminaje, nagnano hoe: " Io, amijao, je jakan'ny mpaminagny die magnambara raha tsara hôn'ny mpanjaka tamin'ny vava raike. Aleo moa je jakanao ba ho hôtran'ny raika amin'io sady milaja raha tsara." 14Die namaly Mikaia hoe "Laha bola velogna koa i Yaveh, dia je lajain'i Yaveh aminahy no hilajaiko." 15Laha avy tamin'ny mpanjaka ijy, dia hoy ny mpanjaka taminajy hoe: "Ô Mikaia, tokony handeha hiady a Ramota-Gileada agny vce ahay, sa hibela?" Namaly Mikaia hoe: "Manafiha ka mandreséa. Hanolotra anajy hon-tagnan'ny mpanjaka i Yaveh."16Ary hoy ny mpanjaka taminajy hoe: "Impiry moa aho no nila anao hieniena ba tsy hijaka na ino na ino aminahy amin'egnaran'i Yaveh afa-tsy ny marina hiany?" 17Die hoy i Mikaia hoe: "Hitako niely tan-tendrombohitra tegny Israely abiaby, hôtran'ny ondry tsisy mpiambigna, ary Yaveh nagnano hoe: 'Tsy managna mpambigna io. Ôka ny lelahy isanisany hody sôman-tsara an-dragnony agne.'"18Die hoy n'empanjakan'Israely tamin'i Josafata hoe: "Tsy efa nijaka taminao ve aho fa tsy mety maminagny raha tsata mahakasika anahy ijy, fa loja fehijay?" 19Die hoy Mikaia hoe: "Noho jany die tenoy je jakain'i Yaveh: nahita an'i Yaveh nitoboka tamin'ny seja fiendriagnany aho, ary ny maramilan'ny lagnitra abiaby dia nijoro narivo anajy tan-kavanany s'enkaviany teo. 20Hoy i Yaveh hoe: "Ija no handresy lahatra an'i Ahaba, ba hiakatra ijy ka ho lavo a Ramota-gileada agne?' Ny raika tamin-dreo nijaka anijao die ny raika hafa nijaka anijao.21Aviteo die nisy fagnahy raika nandroso, nijoro talohan'i Yaveh teo, ka nagnano hoe: 'Aho handresy lahatra anaje.' 22Die hoy Yaveh taminajy hoe: 'Amin'ny fomba ahôna?' Dia namaly ny fagnahy hoe: 'Hivôka aho fany ho fagnahy hivande aùbavan'ny mpaminagny abiaby eo.' Yaveh namaly hoe: 'Haharesy lahatra anajy anao, sady hahomby hiany koa. Ka mandihana ka atôvy jay.' 23D'io, Yaveh nametraka fagnahy mivady tambavan'ny mpaminagninao abiaby io teo, sady Yaveh efa nilaja loja hônao."24Ary Zedekia janaka lahin'i Kenana, niakatra, nanefaka ny takolak'i Mikaia, sady nagnano hoe: "Taja lalan'gny fagnahin'i Yaveh niala taminahy ba hijaka aminao?" 25Die hoy i Mikaia hoe: "Ho fantatrao jay niany, laha miditra an'gnefitra agnatiny ba hivon'enao."26Hoy ny mpanjakan'Israely tamin'ny mpanompony hoe: "Sambory Mikaia ka andôsy amin'i Amona agne, je governoran'ny tanàna, sady amin'i Joasy, janako lahy agne. 27Lajay ijy hoe: 'Ampdiro am-ponja hoy lelahy toy atsin'ny mpanjaka, fany fahany mofo sy rano kely fotsiny ijy, mandra-peveko sôman-tsara. 28Sady hoy i Mikaia hoe: "Laha ohatra tafa-pody sôman-tsara anao, die tsy nampijakain'i Yaveh mihintsy aho." Sady nampeny hoe: "Tenoinareo, vahôka abiaby jao."29Die niakatra handeha a Ramota-gileada i Ahaba, mpanjakan'Israely, sy Josafata, mpanjakan'i Joda. 30N'empanjakan'i Israely nijaka tamin'i Josafata hoe: "Hanao sary olon-kafa aho ka hiditra agnatin'ny ady, fa anao koja hagnano nekanjon'ny mpanjaka hiany." Die nanao sary olon-kafa n'empanjakan'Israely ka niditra tagnatyu agny tagne.31Die nandidy ny kapitenin'ny kalesany roy amby telopolo n'empanjakan'i Syria, nagnano hoe: "Aja manafika ny maramila kely na lehibe. Fa ny mpanjakan'Israely mandy no tafiho." 32Ary laha nahita an'i Josafata ny kapitenin'ny kalesa die nanao hoe: "Igny marina no mpanjakan'Israely." Nihodigna areo ba hamely anaje, ka nangaikaika maré i Josafata. 33Laha hitan'ny mpifehy ny kalesa fa tsy ijy no mpanjakan'i Israely, die nipody tamin'ny fagnanjahana anajy areo.34Fa nisy lelahy raika nandefa ny jana-tsipìkany kitoatoa ka nahavoan'ny mpanjakan'i Israely tagnelagnelan'gny ferovan-tratrane. Nijaka tamin'ny mpamily ny kalesany i Ahaba hoe: "Mihodigna ka andôsy mivôka ny ady aho, fa vôratra be.''35Nihamafy ny ady tamijany andro jany fa i mpanjaka koja die nitohagnana hitsangagna tamin'ny kalesany tao nagnatrika an'ny Syriana. Maty ijy laha hariva. Nijojo hatamin'ny ratrany zisikamin'ny vodi-kalesa ny rà. 36Ka laha efa marivo hilentika ny hegnandro, die nisy haikaika maré nagnodidigna ny tafike, nanao hoe: "Samia mody amin'ny tanànany agny aby ny lelahy abiaby; sady samia mody amin'ny faritaniny agny aby je lelahy abiaby!"37Die maty i Ahaba mpanjaka ka nandao ta-Samaria tagne, ka nalevin-dreo ta-Samaria tagny ijy. 38Nisasan-dreo tamin'ny farihin'i Samaria teo heke ny kalesa, ary die nililafin'emboa i rane (teo no fandrôn'ny viavy janga abiaby), araka je efa nambaran'ny feon'i Yaveh.39Ary ny raharaha hafa mikasika an'i Ahaba, sy je rehetra natany, tragno ivory je namboarine, sy je tanàna abiaby je namboarine, tsy efa vôsoratra amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'Israely ao ve areo? 40Die nodimandry tamin'ny rajambeny tagne i Ahaba, ka i Ahazia janagny lahy no lasa mpanjaka nandimby toerane.41Ary i Josafata janaka lahin'i Asa nanomboka nanjaka nanerana an'i Joda tamin'ny taogna faha-efatra nanjakan'i Ahaba mpanjakan'Israely. 42Dimy amby telopolo taogna i Josafata no nanomboka nanjaka, sady nanjaka ta-Jerosalema tao nandritra ny dimy aùby rôpolo taogna ijy. Azoba n'egnaran'iendrine, je janaka vavin'i Sily.43Nagnaraka ny fomban'i Asa iabany ijy; tsy niala tamin'io ijy; nanao je marina tamason'i Yaveh teo ijy. Kanefa ny toerana ambony die tsy ba narovàna. Fa ny vahôka bola nanao sorogna sady nagnoro ditin-kajo magnitra tamin'ny toerana ambony koa. 44Ary i Josafata nihavana tamin'ny mpanjakan'i Israely.45Ary je raharaha hafa mikasika an'i Josafata, sy ny hery je nasehone, sy fomba niediene, tsy efa vôsoratra agnatin'ny bokin'ny mpanjakan'i Joda ao ve io? 46Nalainy tamin'ny taniny teo je sisa nivela tamin'ny olo nanolo-tegna hijangajanga ho fanompô-sampy je bola tamin'ny andron'i Asa iabane. 47Tsy nisy mpanjaka ta-Edoma, fa olo vôtendry no nitondra tao.5048safata nambôtra sambo fitaterana an-dranomasina; nandeha agny amin'ny Ofira areo hangala volamena, kanefa tsy lasa satria nangaika ta-Ezion-gebera ny sambo. 49Die hoy Ahazia janaka lahin'i Ahaba tamin'i Josafata hoe: "Aleo ba hiaraka handeha sambo amin'ny mpanomponaoje mpanompoko." Fa i Josafata tsy nagnake anijane. 50Nodimandry tamin'ny rajambeny tagny i Josafata ka nalevigna niaraka tamin-dreo tan-tanànan'i Davida, rajambene; die i Jerohama janagny lahy no lasa mpanjaka nandimby toerana anaje.51Ahazia janaka lahin'i Ahaba die nanomboka nanjaka nanerana an'Israely ta-Samaria tagny tamin'ny taogna faha-fito amby folo nanjakan'i Josafata mpanajakan'i Joda, ka nanjaka roy taogna tamin'Israely teo ijy. 52Nagnano je ratsy tamason'i Yaveh ijy sady nagnaraka je fomban'iabane, tamin'ny fomban'iendrine, sy tamin'ny fomban'i Jeroboama janaka lahin'i Nebata, je nitarihany ny Israely hanota. 53Nanompo an'i Bala sady nivavaka taminajy ijy ka nagnano je nahavignitra an'i Yaveh, je Andremanitr'Israely, hôtran'ny je efa natan'iabany hiany.

2 Kings

Chapter 1

1Tafaran'ny nahafatesan'i Ahaba die nikomy hanohitre an'Israely i Moaba. 2Die niankarapoke teo amin'ny makarakara tao amin'ny efitragnony ambony tao Samaria i Ahazia, ary vôfere. Ka nalefany ireo mpitondra ny hafany ary hoy ijy tamin-dreo hoe: ''Mandehana, magnotania an'i Bala-Zeboba, andriamanitr'i Ekrona, laha ho sitragna amin'itoy feriko itoy iaho.''3Fa ny anjelin'i Yaveh nijaka tamin'i Elia Tisbita hoe: ''Menga, miakara hihaogna amin'ireo mpitondra hafatry ny mpanjakan'i Samaria, ary agnontanio amin-dreo hoe: 'Satria ve tsy misy Andriamanitra ao Israely no handeha hangala hevitra agny amin'ny Bala-Zeboba, andriamanitr'i Ekrona anao?4Noho ijany die hoy i Yaveh hoe: ''Tsy hijotso avy eo amin'ny fandrianao ijay efa niakaranao anao; fa koja, ho faty tokôtre anao.'''' Avy eo die lasa i Elia.5Laha efa nipody tagny amin'i Ahazia ireo mpitondra hafatre, die hoy ijy tamin-dreo hoe: ''Fa nagnino no nipody anareo? 6Hoy areo tamin'ajy: ''Nisy lelahy raike nihaogna taminay nijaka hoe: 'Mipodiana agny amin'ny mpanjaka ijay nandefa anareo, ary jakao an'ajy hoe: ''Ijao no jakain'i Yaveh: 'Satria ve tsy misy Andriamanitra ao Israely no nandefa ny olonao hangala hevitre agny amin'i Bala-zeboba, andriamanitr'i Ekrona anao? Ka noho ijany die tsy hijotso avy eo amin'ny fandrianao ijay efa niakaranao anao; fa koja, ho faty tokôtre anao.''''7Ahazia nijake tamin-dreo mpandefa ny hafany hoe: ''Lelahy hôtran'ny ahôna, ijany olo nihaogna taminareo ary nijaka ireo jaka ireo ijany? '' 8Areo namaly an'ajy hoe: ''Nisikigna sikigna vita amin'ny volo ijy ary fehinkibo hoditre teo amin'ny andilagny.'' Ary ny mpanjaka namaly hoe:'' Elia Tisbita ijany.''9Ary nandefa kapiteny miaraka amin'ny miaramila dimampolo ho agny amin'i Elia ny mpanjaka. Niakatre tagny amin'i Elia ijay nidoboke tagny an-tampon'ny tety ilay kapiteny. Hoy ilay kapiteny tamin'ajy hoe: ''Anao, ry lelahin'Andriamanitra, nilaja ny mpanjaka hoe: 'Mijotsoa.''' 10Elia namaly ary nijaka tamin'ilay kapiteny hoe: ''Laha lelahin'Andriamanitra iaho, ôke hilatsake avy egne an-danitra ny afo ary handevogna anao sy ireo dimampolo lahinao.'' Die nilatsake avy tegne amin'ny lanitra ny afo ary nandevogna an'ajy sy ireo dimampolo lahiny.11Nandefa kapiteny hafa indraike niaraka tamin'ireo miaramila dimampolo ho agny amin'ny Elia Ahazia mpanjaka.Hoy koa ijany kapiteny ijany tamin'i Elia hoe: ''Anao, ry lelahin'Andriamanitra, nijaka ny mpanjaka hoe: Mijotsoa malaky.'' 12Elia namaly ary nilaza tamin-dreo hoe: ''Laha lelahin'Andriamanitra iaho, ôke hilatsake avy egne amin'ny lanitra ny afo ary handevogna anao sy ireo dimampolo lahinao. '' Die nilatsaka avy tegne amin'ny lanitra indraike ny afon'Andriamanitra ary nandevogna an'ajy sy ireo dimampolo lahiny.13Mbola nandefa vondrogna mpiady dimampolo fanintelony indraike ny mpanjaka. Niakatre io kapiteny io, nandohalika teo alohan'ny Elia ijy, ary niangavy an'ajy sy nilaja tamin'ajy hoe: '' Anao, ry lelahin'Andriamanitra, mangataka aminao iaho, ôke ho sarobidy eo imasonao ny aignako sy ny aign'ireto mpanomponao dimampolo ireto. 14Eka tokôtre, nilatsake avy egne an-danitra ny afo ary nandevigna ireo kapiteny roalahiteo vôlohany miaraka amin'ireo lelahiny, fa ankehitriny ôke ho sarobidy eo imasonao ny aignako.''15Ary ny anjelin'Andriamanitra nijaka tamin'i Elia hoe: ''Mijotsoa miaraka amin'ajy. Aja matahotre an'ajy. ''Ka nitsangagna Elia ary nijotso niaraka tamin'ajy ho agny amin'ny mpanjaka.16 Tafara kelin'ijany die hoy Elia tamin'i Ahazia hoe: ''Ijao no nojakain'i Yaveh: 'Efa nandefa mpitondra hafatre hangala hevitra tagny Bala-zeboba, andriamanitr'i Ekrona anao. Satria ve tsy misy Andriamanitra ao Israely ijay afaka angatahanao famùpahafantarana? Koa ankehitriny, tsy hijotso avy eo amin'ny fandriana ijay niakaranao anao; fa ho faty tokôtre anao.'''17Dia maty araka ny jakan'i Yaveh ijay nojakain'i Elia i Ahazia mpanjaka. Jorama no nanomboke nanjaka teo amin'ny toerany, tamin'ny taogna faharoa nanjakan'i Jehorama janak'i Josafata mpanjakan'i Joda, satria tsy nanan-janaka i Ahazia. 18Ary ny amin'ireo raharaha hafa mahakasika an'i Ahazia, moa tsy efa vôsoratre ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'Israely ve ijany?
Chapter 2

1Ary laha efa nandeha hampiakatre an'i Elia tamin'ny tafio-drivotre ho agny an-danitra i Yaveh, die niala tao Gilgala niaraka tamin'ny Elisa i Elia; 2Hoy Elia tamin'i Elisa: ''Mba mijanona rô eto, satria efa nagniraka an'ahy ho agny Betela i Yaveh.'' Namaly Elisa hoe: ''Laha mbola velogna koa i Yaveh, ary laha mbola velogna koa anao, die tsy handao anao iaho. ''Die nijotso tagny Betela areo.3Nenga agny amin'i Elisa ireo janaky ny mpaminany ijay tagny Betela ary nijaka tamin'ajy hoe: ''fantatrao ve fa hangala ny tomponao aminao i Yaveh niany?'' Namaly Elisa hoe: ''Eka, fantatro ijany, fa aja mivoria momba an'ijany.'' 4Hoy i Elia tamin'ajy: ''Elisa, mba mandiasa eto rô, satria efa nagnirake an'ahy ho agny Jeriko i Yaveh.'' Die namaly Elisa hoe: ''Laha mbola velogna koa anao, die tsy handao anao iaho.'' Dia nandeha tagny Jeriko areo.5Die nenga agny amin'i Elisa ireo janaky ny mpaminany ijay tagny Jeriko ary nijaka tamin'ajy hoe: ''Fantatrao ve hangala ny tomponao aminao i Yaveh niany? Die namaly Elisa hoe: ''Eke, fantatro ijany, fa aja mivoria momba an'ijany.'' 6Die hoy Elia tamin'ajy: ''Mba mijanogna rô, fa Yaveh efa nagniraka an'ahy ho agny Jordana. ''Namaly Elisa hoe: '' Laha mbola velogna koa anao, die tsy handao anao iaho, '' Die nandeha ijy roa.7Tatoy afara kely, nisy dimampolo tamin'ireo janaky ny mpaminany nitsangagna nifagnatrika tamin-dreo tegne lavitre laha nitsangagna teo amorogn'i Jordana ijy roa.8 Nalain'i Elia ny sikigne, nahorongorogny, ary nifihine tamin'ijany ny rano. Nijara tamin'ny lafiny roa ny ranobe ka nandeha tamin'ny tany maigna ijy roa.9Ary laha efa nitsaka areo, die hoy Elia tamin'i Elisa: ''Angatahy amin'ahy ijay tokony ho ataoko ho anao mialohan'ny hangalana an'ahy aminao. ''Namaly Elisa hoe: Ôke rô mba ho tonga amin'ahy ny avo roe henin'ny fanahinao.'' 10Namaly Elia hoe: ''Efa nangatake raha sarotre anao. Na ijany aja, laha hitanao iaho laha efa alaina aminao, die hitranga aminao ijany, fa laha tsia, die tsy hibôke ijany.''11Laha mbola nandeha sy nivoria areo, igny nisy kalesy afo sy sôvaly afo nibôke, ijay nagnasarake an'ajy roalahy, ary niakatre tamin'ny tafio-drivotre tagny an-danitra i Elia. 12Nahita an'ijany Elisa ka nihiake ,mahare hoe: ''Iabako ô, iabako ô, ireo kalesin'Israely sy ireo mpideba an'ijany!'' Tsy hita koa i Elia, ka notajoniny ireo sikigna ka norovitiny roe ireo.13Nalainy ny sikign'i Elia ijay latsake avy tegne amin'ajy, ary nipôdy mba hitsangagna teo amorogn'i Jordana ijy.14 Nifihine tamin'ny sikign'i Elia ijay latsake ny rano ary hoy ijy: Aja i Yaveh, Andriamanitr'i Elia? ''Laha efa namioke ny rano ijy, die nijara teo amin'ny lafiny roe ireo ka nitsake i Elisa.15laha efa hitan-dreo janaky ny mpaminany ijay avy agny Jeriko teo ampitan-dreo ijy, die hoy areo: ''Mitoetre ao amin'i Elisa ny fanahin'i Elia!'' Die tonga mba hitsena an'ajy areo, ary niankohoke tamin'ny tany teo ankatrehany. 16Hoy areo tamin'ajy: ''Io ankehitriny misy lelahy mahery dimampolo eo amin'ireo mpanomponao. Abelao areo handeha, mangataka ahay, mba hitady ny tomponao, sô die nampakarina sy natsipin'ny fanahin'i Yaveh agny amin'ny tety na agny amin'ny lohasaha ijy. ''Namaly Elisa hoe: ''Tsiare, aja magniraka an-dreo.''17Nefa namporisike an'i Elisa mandra-pahamegnatre an'ajy areo, die hoy ijy: ''Iraho areo''. Die nagnirake lelahy dimampolo areo, ary nandrembe nandritre ny telo andro areo, kanefa tsy nahita an'ajy. 18Nipody tagny amin'i Elisa areo, laha nidoboke tao Jeriko ijy, die hoy ijy tamin-dreo: ''Tsy nijaka taminareo ve iaho hoe: Aja mandeha?''19Ireo olon'ny tanàna nijaka tamin'i Elisa hoe: ''Io, miangavy anao ahay, ny raha misy eto amin'itoy tanàna itoy die mahafinaritra, araka ijao hitan'ny tompoko ijao, nefa ratsy ny rano ary mamokatre ny tany.'' 20Namaly Elisa hoe: ''Itondray lovia vaovao iaho ka asio sira ao agnatiny,'' die nitondra an'ijany teo amin'ajy areo.21Nivôke nenga agny amin'ny loharano Elisa ary nanipy sira tao agnatin'ijany; die hoy ijy hoe: ''Ijao no jakain'i Yaveh: 'Efa nagnasitragna ireo rano ireo Iaho. Manomboka amin'ijao fotôgna ijao, die tsy hisy fahafatesana na tany tsy mahavokatre koa.'' 22Koa die sitragna ireo rano mandraka androany, tamin'ny alalan'ny jaka ijay nijakain'i Elisa.23Die niakatre avy tao ho agny Betela Elisa. Laha efa niakatre ny lalagny ijy, die nisy jalahy nivôke ny tanàna ary nanevateva an'ajy; hoy areo tamin'ajy: ''Miakara, anao ry solaloha! Miakara, anao ry solaloha!'' 24Nijaha tagny afarany Elisa ary nahita an-dreo; nangaike an'i Yaveh ijy mba hagnojogna an-dreo. die nisy beravavy roe nivôke avy tao agnaty ala ka namoa fere roa amby efapolo tamin'ireo jalahy. 25Die niala teo ho agny an-tetin'i Karmela i Elisa, ary avy agny no nipodianany ho agny Samaria.
Chapter 3

1tamin'ny taogna fahavalo ambin'ny folo nanjakan'i Josafata mpanjakan'i Joda, no nanomboka nanjaka teo amin'Israely tao Samaria i Jorama janaka lahin'i Ahaba; nanjaka nandritre ny roa ambin'ny folo taogna ijy. 2Nagnano ijay ratsy teo imason'i Yaveh ijy, fa tsy hôtran'iabany sy ny endriny; fa nalainy ny tsangam-bato masina an'i Bala ijay namboarin'iabany.3 Na ijany aja die nitajogna ireo fahotan'i Jeroboama janaka lahin'i Nebata ijy ijay nampanota an'i Israely, tsy nivily tamin'ijany ijany.4Ary i Mesa mpanjakan'i Moaba die niompy ondry.Tsy mentsy nagnome janak'ondry 100.000 sy volon'ondry lahy 100.000 ho an'ny mpanjakan'Israely ijy. 5Fa tafaran'ny nahafatesan'i Ahaba, die nikomy nanohitre ny mpanjakan'Israely ny mpanjakan'i Moaba. 6Ary nandao an'i Samaria i Jorama mpanjaka tamin'ijany fotôgna ijany mba hagnetagna ny Israely abiaby ho amin'ny ady.7Nandefa hafatre tamin'i Josafata mpanjakan'i Joda ijy, nijaka hoe: ''Efa nikomy hanohitre an'ahy ny mpanjakan'i Moaba. Handeha hiarake amin'ahy hifagnandrigna amin'i Moaba ve anao?''Namaly i Josafata hoe?''Handeha iaho, hôtran'ny anao mandy iaho, ny oloko die hôtran'ny olonao, ireo sôvaliko die hôtran'ny sôvalinao.'' 8Ary nijaka ijy avy eo hoe: ''Amin'ny lalagna aja no tokony hanafihantsena? Namaly i Josafata hoe: ''Amin'ny lalagna mamaky ny efitr'i Edoma.''9Ka nandeha nihodidigna nandritra ny fito andro ireo mpanjakan'Israely, Joda, ary Edoma. Tsy nahitana rano ho an'ny tafikan-dreo, na ho an'ireo sôvaliny sy ireo biby hafa. 10Koa nijaka ny mpanjakan'Israely hoe: ''fa ino itoy? Moa ve nangaike mpanjaka telo hatolotre ho eo an-tagnan'i Moaba i Yaveh?''11nefa nijaka i Josafata hoe: ''Tsy misy mpaminanin'i Yaveh ve eto, hahafahantsena mangala torohevitre amin'i Yaveh amin'ny alalagny?'' ary namaly ny raike tamin'ny mpanompon'ny mpanjakan'i Israely nagnano hoe: ''Eto i Elisa janaka lahin'i Safata, ijay nandraraka rano teo an-tagnan'i Elia.'' 12Hoy i Josafata: ''Momba an'ajy ny jakan'i Yaveh. '' Ka nijotso nenga agny amin'ajy i Josafata, mpanjakan'Isarely, ary ny mpanjakan'i Edoma.13Hoy i Elisa tamin'ny mpanjakan'Israely: ''Mpifagnino moa iaho sy anao? Mandehana menga agny amin'ireo mpaminanin'ny abanao sy endrinao. ''Ka nijaka tamin'ajy hoe: ''Tsiary satria i Yaveh nangaike ireto mpanjaka telo ireto niaraka mba hanolotre an'ajy ho eo an-tagnan'i Moaba. 14''Namaly i Elisa: ''Laha mbola velogna koa i Yaveh tompon'ny maro, ijay eo ankatrehany no hitsanganako, raha tsy nohon'ny fagnajako ny fagnatrehan'i Josafata mpanjakan'i Joda, die tsy niteno anao iaho, na nijaha anao akory.15Fa ankehitriny itondrao mpitendry raha magneno iaho. ''Ary laha efa nitendry ny mpitendry lokanga, die tonga teo amin'i Elisa ny tagnan'i Yaveh. 16Nijaka ijy hoe: ''Ijao no nambaran'i Yaveh, 'Fenoy hady kely io lohasahan-driaka maigna io. 17' Fa hoy i Yaveh: 'Tsy hahita rivotre anao, na oragna, fa ho dibo-drano io lohasahan-driake io, ary hinogna anareo, anareo sy ny biby fiompinareo sy ny bibinareo abiaby.'18Ijany die raha mora eo imason'i Yaveh. Hagnome anareo fandresena eo amin'ireo Moabita mandy koa Ijy. 19Hanafike ny tanàna vôaro mafy sy tanàna tsara abiaby anareo, hanapake ny hajo tsara abiaby, hagnajanona ny loharano abiaby, ary handrava ireo tany tsara amin'ny vato.''20Koa tamin'ny maraigna nagnodidigna ny fotôgna fanolorana ny sorogna, die nisy rano nikoriagna avy agny Edoma; dibo-drano ny tany.21y laha naharegne ireo Moabita abiaby fa tonga hiady amin'ajy ireo mpanjaka, die niara-niagnogna areo, ireo abiaby afake nagnano sikigna fiarovana, ka nitsangagna teo amin'ny sisin-tany areo.22 Nifoha maraigna areo ary ny masoandro nitaratre teo amin'ny rano. Laha nahatsinjo ny rano teo ampitany ireo Moabita, die niloko mena hôtran'ny ra ijany. 23Nihorake mahare areo hoe: ''Ra io! Tena ringagna tokôtre ireo mpanjaka, ary nifamono areo! Ankehitriny ary, ry Moaba, andao antsena handroba an-dreo!''24Laha nenga agny amin'ny tobin'Israely areo, nanampoke ireo Israelita areo ka nanafike ireo Moabita, ijay nilefa teo ankatrehany. Notaritin'ny tafik'Israely nagneragna ny tany ireo Moabita, die novonoin-dreo. 25Nopotehiny ireo tanàna, ary ny velaran-tany tsara abiaby die nofafajan'ny lelahy biaby vato mandra-paharakotre an'ijany. Notapenan-dreo ny loharano abiaby, nokapan-dreo ny hajo tsara abiaby. Ary kira-haresa sisa no tabela tsy nihetsika ny vatony. Fa nohodidign'ireo miaramila mpitagna tora-bajaha ijany ary notafihiny.26ha hitan'i Mesa mpanjakan'i Moaba fa resy agn'ady ijy, die, nangala mpitan-tsabatre niaraka tamin'ajy ijy hanafika ny mpanjakan'i Edoma, kanefa tsy nahomby areo. 27Die nalainy ny janagny lahimatoa ijay tokony nanjaka nandimby an'ajy, ary natolony ho fanatitra ôrona teo ambonin'ny manda ijy. Ka nisy havignirana lehibe nihatre tamin'Israely, die nandao an'i Mesa Mpanjaka ny tafiky ny Israelita ka nody tany amin'y taniny.
Chapter 4Ary ny vadin'ny raike tamin'ireo janaky ny mpaminany tonga nitagny tamin'i Elisa, nagnano hoe: ''Maty ny vadiko ilay mpanomponao, ary fantatrao fa ny mpanomponao die natahotre an'i Yaveh. ankehitriny ny mpampindram-bola die tonga hangala ireo janako roe mba ho mpanompony.''

2Ka hoy i Elisa tamin'ajy: ''Ino no ajoko atao ho anao? jakao an'ahy ino aby no anagnanao ao an-dragnonao?'' Ary hoy ijy: ''Tsy managna n'ino na ino afa-tsy diloilo raike tavoara ny mpanomponao ao an-dragno.''3Ary hoy i Elisa:''Mandehana mindragna siny agny amin'ireo mpiray vodirindrigna aminao, siny tsy misy n'ino n'ino.'' Faran'ijay rahabe indramina. 4Avy eo die tsy mentsy miditre ao agnatiny anao ary mipem-barangaragna ao anao sy ireo janakao lahy, ary mandraraha diloilo ao amin'ny siny abiaby; ary atokagny ireo siny ijay feno.''5Ka nandao an'i Elisa ijy ary nipêm-barangaragna ijy sy ireo janagny lahy. Nindôsin-dreo tao amin'ajy ireo siny, ka nofenoiny diloilo ireo. 6Laha efa feno ny siny, die hoy ijy tamin-dreo janagny: ''HItondray siny hafa iaho. '' Fa hoy ny janagny tamin'ajy: ''Tsy misy siny koa.'' Die tsy niraraka koa ny diloilo.7Ary tonga ijy ka nijaka tamin'ilay lelahin'Andriamanitra. Hoy ijy hoe: ''Mandehana, amidio ny diloilo; aloavy ny trosanao, ary hivelomy miarake amin'ireo janakao lahy ny ambiny.'8Indraike andro i Elisa nandeha tagny Sonema agny amin'ijay hidobohan'ny viavy manan-danja raike; nasainy hiara-mihinagna amin'ajy ijy. Ary isaky ny handalo ijy die hijanogna ka hihinagna ao.9Hoy ilay viavy tamin'ny vadiny: ''Io, mahatsapa iaho ankehitriny fa ijy die lelahy masin'Andriamanitra ijay mandalo mandrakariva.10Ndao antsena hagnano efitre kely ambony rihagna ho an'i Elisa, ka ho asiantsena fandriana ao agnatiny, latabatra, seja, ary jiro. Ka laha tonga eto amintsena ijy, die hijanogna eto.'' 11Ary tonga koa ny andro die nijanogna tao i Elisa, nidoboke tao amin'ilay efitra ijy ary nangala aigna tao.12Hoy Elisa tamin'i Gezahy ilay mpanompony: ''Angiho io Sonemita io.'' Laha avy nangaike an'ajy ijy, die nitsangagna teo ankatrehany. 13Ary hoy i Elisa tamin'ajy: ''Jakay amin-draviavy hoe: Efa nenga atoy amin'ijao ologna abiaby ijao anao mba hiahy anay. Ka ino no ajo atao ho anao? Afake misolo vava anao agny amin'ny mpanjaka na agny amin'ny tafike ve ahay? ''' Die namaly ijy hoe: ''Miara-midoboke amin'ny vahôkako iaho.''14Ka hoy i Elisa: ''Ino ijany no ajontsena atao ho an'ajy?'' Die namaly Gezahy hoe: ''Eka tokôtre, tsy manan-janake ijy, ary efa antitre ny vadiny.'' 15Ka namaly i Elisa hoe: ''Angeho ijy'' Laha efa avy nangaike an'ajy ijy, die nitsangagna teo amin'ny varangaragna.16 Hoy i elysa: ''Amin'ny fotôgna hôtran'ijao, afake herin-taogna, die hitrotro jajalelahy anao.'' Ka hoy raviavy: ''Tsiare, ry tompoko sady lelahin'Andriamanitra, aja mivavndy amin'ny mpanomponao.''17Fa ny taogna magnarake mandy raviavy die nipetran'anake ary namaitre jajalelahy, araka ijay efa nojakain'i Elisa tamin'ajy. 18Laha efa niha-lehibe ny jaja, indraike andro die nandeha niarake tamin'ny abany, ijay niarake tamin'ireo mpambely vary ijy. 19Hoy ijy tamin'ny iabany: ''Ny lohako, ny lohako.'' Die hoy ny abany tamin'ny mpanompony: ''Indôsy agny amin'ny endriny ijy.'' 20Laha efa nangala an'ajy sy nitondra ilay jajalelahy tagny amin'ny endriny ilay mpanompo, die nidoboke teo am-pofoany ilay jaja mandra-pitataovovognana ary maty avy eo.21Ka nitsangagna ilay viavy ary nametrake ilay jajalelahikely teo amin'ny fandrian'ilay lelahin'Andriamanitra, nagnampegna ny varangaragna, ary nivôke. 22Nangaike ny vadiny ijy, ary nijaka hoe: ''Mba andefaso raike amin'ireo mpanompo sy raike amin'ireo mpitondra ampondra rô iaho mba hahafahako mandeha malaky agny amin'ilay lelahin'Andriamanitra ary hipody avy eo.''23e hoy ny vadiny: ''Nagnino anao no te-ho agny amin'ajy niany? Tsy tsignam-bolagna na Sabata ijao.'' ka namaly ijy hoe ''Tsy magnino rô.'' 24Die nasiany lasely ny ampondra raike ary hoy ijy tamin'ny mpanompony hoe:'' ampandehano malaky; ary aja mandeha mora raha tsy mijaka iaho.''25Ka nandeha raviavy ary tonga tao amin'ilay lelahin'andriamanitra tagny amin'ny tendrombohitra Karmela. Ary laha efa nahita an'ajy avy lavitre ilay lelahin'Andriamanitra, die nijaka tamin'i Gezahy mpanompony ijy hoe: ''Igny, tonga ilay viavy Sonemita. 26Mihajakajaha malaky mba hitsena an'ajy sy hijaka hoe: ''Milamigna ve ny aminao sy ny vadinao ary ny janakao?''' Die namaly ijy hoe: ''Milamigna tsara.''27Laha efa tonga teo amin'ilay lelahin'Andriamanitra tagny an-tety raviavy, die notajoniny ny hongony. nagnatogna akeky i Gezahy mba hangala an'ajy kanefa hoy ilay lelahin'Andriamanitra hoe: ''Abelao ijy, fa tohigna tanterake, ary navonin 'i Yaveh tamin'ahy ilay olagna, ary tsy nijaka n'ino n'ino tamin'ahy.''28e hoy raviavy: ''Nangataka janaka taminao ve iaho, ry tompoko? Tsy efa nijaka taminao ve iaho hoe: 'Aja fitahana iaho?'' 29Die hoy i Elisa tamin'i Gezahy: '' Misikigna ho an'ny dia ary indôsy amin'ny tagnanao ny tehignako Mandehana agny an-dragnony. Laha mifanepake amin'ny olo anao, die aja miarahaba an'ajy, ary laha misy olo miarahaba anao, die aja mamaly an'ajy. Ateheno eo amin'nilay tarehin'ilay jaja ny tehignako.''30Fa ny endrin'ilay jaja nijaka hoe:'' Laha velogna koa i Yaveh, ary laha velogna koa anao, die tsy handao anao iaho.'' ka nitsangagna i Elisa ary nagnaraka an'ajy.31 Nialoha malaky an-dreo i Gehazy ary nametrake ny tehigna teo amin'ny tarehin'ilay jaja, nefa tsy nijaka na naharegne ilay jaja. Ka nipody tagny amin'i Elisa i Gezahy ary nijaka tamin'ajy hoe: ''Mbola tsy nifoha ilay jaja.''32Laha efa tonga tao an-dragno i Elisa, die mbola maty teo ambony fandriana ilay jaja. 33Ka niditre tao i Elisa ary nipem-barangaragna tao ijy sy ilay jaja ka nivavaka tamin'i Yaveh ijy. 34Nitsangagna ijy ary nandry teo amin'ilay jaja; nametrake ny molony teo amin'ny molony, ny masony teo amin'ny masony, ary ny tagnany teo amin'ny tagnany. nagnampatre ny tegnany teo amin'ilay jaja, ka lasa nafana ny vatagn'ilay jajalahikely.35Ary nitsangagna i Elisa ary nivejivejy tao amin'ny efitra ary niakatra indraike ka nagnampatre ny tegnany teo ambonin'ilay jajalalelahikely. Nievigna im-pito ilay jajalelahy ary nanokatre ny masony. 36Ka nangaike an'i Gehazy i Elisa ary nijaka hoe: ''Angeho ilay Sonemita! '' Ka nangaike an'ajy ijy, ary laha efa tonga tao amin'ny efitre ijy, die hoy i Elisa: ''Reso ny janakao.'' 37Die nampiankohoke ny tarehiny teo amin'ny tany teo amin'ny hongony ijy ary nandohalika teo amin'ny tany, ka nangala ny janagny die nivôke.38Ary nipody tagny Gilgala indraike i Elisa. Nisy mosary tao amin'ilay tany, ary nidoboke teo alohany ireo janaky ny mpaminany. Hoy ijy tamin'ny mpanompony: ''Atôvy eo amin'ny afo ny siny lehibe ary mandrahoa hanina ho an'ireo janakin'ny mpaminany. 39Nijotso tagny an-karegnana mba hitango legioma ny raike tamin-dreo. Nahita vôloboke dia ijy ary nanangogna tagnatagnamanga dia mba hamenoana ny moron-tongotry ny sikignany. Notapatapahany ary nataon-dreo tao amin'ny hanina ijany, nefa tsy nahafantatre ny karajagny ijany areo.40Ka nandôtre ny hanina mba ho hanin'ireo lelahy areo. Afaka kelikely, laha teo am-pihinanana areo, die nihiake mahare nagnano hoe: ''Ry lelahin'Andriamanitra, misy mahafaty ao am-bilagny!'' Ka tsy afake ny hihinagna an'ijany koa areo. 41Fa hoy i Elisa hoe: ''Mitondra koba. ''Nanipy ijany tao agnaty vilagny ijy ary nijaka hoe: ''Loary ho an'ny olo ijany mba hihinagna areo.'' Ka tsy nisy raha mahafaty koa tao am-bilagny.''42NIsy lelahy raike avy agny Bala-salisa nenga agny amin'ny lelahin'Andriamanitra ary nitondra mofo vita tamin'ny vary hordea roapolo vô nifaragnana, ary tovom-bary vaovao tao agnaty kitapony. Hoy ijy: ''Omeo an'ireo olo ireto mba hahafahan-dreo mihinagna. '' 43Hoy ny mpanompony: ''Ahoana no hagnomejako an'ijany an'ireo olo jato? '' Fa hoy Elisa hoe: ''Omeo ny olo ireto , mba hahafahan-dreo mihinagna, satria i Yaveh nijaka hoe: ''Hihinagna areo ary hagnabela ambiny.'' 44Ka nagnome an'ijany an-dreo ny mpanompony; die nihinagna areo, ary nisy tabela, araka ny jaka fampagnantenan'i Yaveh.
Chapter 5

1Ary Namàna, mpifehy ny tafiky ny mpanjakan'i Syria, die lelahy lehibe sady be voninahitra eo imason'ny tompony, satria tamin'ny alalagny no nagnomejan'i Yaveh fandresena an'i Syria. Lelahy matanjaka, be herim-po mandy koa ijy, kanefa boka. 2Nandeha nivôke isan-tokony ireo Syriana ary nangala jajaviavy kely raike avy tao amin'ny tanin'Israely. Nanompo ny vadin'i Namàna ijy.3Hoy ilay jajaviavy tamin'ny tompovaviny hoe: ''Enga anie mba hiaraka amin'ilay mpaminany ijay agny Samaria ny tompoko! Ary hagnasitragna ny tompoko amin'ny habokany ijy.'' 4Koa nandeha i Namàna ary nijaka tamin'ny mpanjaka ijay nijakain'ilay jajaviavy kely avy agny amin'ny tanin'Israely.5Die hoy ilay mpanjakan'i Syria hoe: ''Mandehana ankehitriny, ary hampitondra taratasy ho an'ny mpanjakan'Israely iaho.''Lasa i Namàna ary nitondra talenta volafotsy folo, volamena enin'arivo, sy sikigna fisoloana folo niarake tamin'ajy.6 Nitondra ilay taratasy ho an'ny mpanjakan'Israely mandy koa ijy ijay nilaja hoe: ''Laha efa nindôsina aminao itoy taratasy itoy, die ho hitanao fa nandefa an'i Namàna mpanompoko aminao iaho, mba hagnasitragnao an'ajy amin'ny habokany.''7Laha efa avy namaky ilay taratasy ny mpanjakan'Israely, die nandrovitre ny sikignany ijy ary nijaka hoe: ''Moa ve Andriamanitra iaho, ka hamono na hamelogna, no mila hagnasitragna lelahy amin'ny habokany itoy lelahy itoy? Hôtran'ny mandrembe hifanditre amin'ahy ijy.''8Koa laha efa regnin'i Elisa ilay lelahin'Andriamanitra fa nadriatre ny sikignany ilay mpanjakan'Israely, die nandefa jaka tagny amin'ny mpanjaka ijy nagnano hoe: ''Nagnino no rovitinao ny sikignanao? Abelao ijy hagnatogna an'ahy ankehitriny, die ho fantany fa misy mpaminany ao Israely. '' 9Ka tonga niaraka tamin'ireo sôvaliny sy kalesiny i Namàna ary nitsangagna teo am-barangaragn'ny tragnon'i Elisa. 10Nagniraka mpitondra hafatre tagny amin'ajy Elisa, nagnano hoe: ''Mandehana ary ampandroy impito ao amin'ny Jordana ny tegnanao die hipody amin'ny lôniny ny nofonao; hadio anao.''11Fa vignitre i Namàna ary lasa ka nijaka hoe: ''Io, noheveriko fa hivôke hagnatogna an'ahy ijy ary hitsangagna sy hangaike ny agnaran'i Yaveh Andriamaniny, ary hagnofahofa ny tagnany amin'ilay toerana ka hagnasitragna ny habokako. 12Moa i Abana sy Farpara, ranoben'ny Damaskosy, tsy lalo tsara noho ny rano abiaby eto Isarely? tsy afake mandro ao amin'ireo ve iaho die hadio?'' Die nipody ijy ary lasan-kavigniragna.13Avy ireo mpanompon'i Namàna nagnakeky ka nivoria tamin'ajy hoe: '' Ry iabako,laha nandidy anao hanao raha sarotre saragny ny mpaminany, moa tsy nagnano ijany ve anao? Koa meka fa, laha efa nijaka tsotra anao ijy hoe: 'Ampandroy ny tegnananao die hadio anao?'' 14Avy eo die nandeha nijotso ijy ary nampandro ny tegnany impito tao amin'ny Jordana, nankato ireo toromarik'ilay lelahin'Andriamanitra. Nipody hôtran'ny nofon-jazakely indraike ny nofony, ary sitragna ijy.15Nipody tagny amin'ilay lelahin'Andriamanitra i Namàna, ijy sy ireo mpiara-dia tamin'ajy abiaby ary nitsangagna teo alohany. Hoy ijy hoe:''Io, fantatro ankehitriny fa tsy misy Andriamanitra magneragna ny tany afa-tsy ao Isarely mandy. Noho ijany, reso ny fagnomejana avy amin'ny mpanomponao.'' 16Fa Elisa namaly hoe: ''laha mbola velogna koa i Yaveh, ijay eo anketrahany no hijoroako, die tsy handray n'ino n'ino iaho.'' Namporisike an'i Elisa mba handray ilay fagnomejana i Namàna, fa nandà ijy.17Noho ijany die hoy Namàna hoe: ''Laha tsy ijany, die mangataka aminao iaho mba hagnome ny mpanomponao tany ampy indôsin'ny ampondra roe, satria manomboke ijao, die tsy hagnome fanatitra orôna na sorogna ho an'andriamani-kafa koa ny mpanomponao afa tsy i Yaveh. 18Ôke mba hamela heloke ny mpanomponao i Yaveh amin'itoy raha raike itoy, die ijao, laha efa miditre ao an-dragnon'i Rimona ny mpanjakako mba hanompo ao, ary mitehigna amin'ny tagnako ijy die miankohoke ao an-dragnon'i Rimona iaho, die enga anie Yaveh mba hamela heloke ny mpanomponao amin'ijany raha ijany.'' 19Die hoy Elisa tamin'ajy hoe: ''Mandehana am-piadagnana. '' Die lasa i Namàna.20nandeha halaviragna fohifohy mandy jy, laha nijaka tamin'ajy i Gehazy mpanompon'i Elisa ilay lelahin'Andriamanitra hoe: '' Io, efa namindra fo itoy Namàna ilay Syriana ny tompoko tamin'ny fandresana ireo fagnomejana ijay nindôsiny tegne an-tagnany. Laha mbola velogna koa i Yaveh, die hagnaraka an'ajy iaho ary handray raha avy amin'ajy. 21''Noho ijany dia nagnaraka an'i Namàna i Gehazy. Laha efa nahita olo nihajakajake tao afarany i Namàna, die nitsambikigna nijotso tamin'ny kalesiny ijy mba hitsena an'ajy ary nijaka hoe; ''Mety ve ny raha abiaby?''22 Die hoy i Gehazy hoe:'' Mety abiaby ny raha abiaby . Nirahin'ny tompoko iaho, nagnano hoe: Io, nisy jalahy roe avy amin'ireo, janaky ny mpaminany tonga nanatogna an'ahy avy agny amin'ny vohitr'i Efraima. Miangavy rô mba omeo talenta volafotsy raike sy sikigna hisoloana roa areo.''23Namaly Namàna hoe; ''Faly be iaho magnome talenta volafotsy roe ho anao.'' Namporisike an'i Gehazy i Namàna ary namatotre talenta volafotsy roe tao agnaty kitapo roe, niaraka tamin'ireo sikigna roe hisoloana, ary nametrake ireo tamin'ny roa tamin'ireo mpanompony, ijay nitondra ireo kitapom-bolafotsy nialoha an'i Gehazy. 24Laha efa tonga tao amin'ny tany ambo i Gehazy, die nangala ireo kitapom-bolafotsy tegne an-tagnan-dreo ijy ary nagnavony ireo tao an-dragno; nalefany ireo lelahy, ka lasa areo. 25Laha efa niditre i Gehazy ary nitsangagna alohan'ny tompony, die hoy i Elisa tamin'ajy hoe; ''Avy aja anao, ry Gehazy?'' Namaly ijy hoe: Tsy nandeha taja na taja ny mpanomponao.''26Hoy i Elisa tamin'i Gehazy hoe: ''tsy niaraka taminao ve ny fanahiko laha efa nihodigna tamin'ny kalesy mba hitsena anao ilay lelahy? Fotôgna fandresana vola sy sikigna, tanin'oliva sy tanim-bôloboke, ondry sy aomby, ary mpanompo lahy sy vavy ve ijao? 27Noho ijany die ho aminao sy ny taranakao mandrakijay ny habokan'i Namàna. ''Koa niala tamin'ny fagnatrehany Gehazy, boka fotsy hôtran'ny oram-panala.
Chapter 6

1Ireo janaky ny mpaminany nijaka tamin'i Elisa hoe: ''Ilay toerana ijay hidobohanay miaraka aminao die tena bitike lôtre ho anay abiaby. 2Abelao rô ahay handeha ho agny Jordana , ary abelao ny olo abiaby mba hanapaka hajo agny, ary abelao ahay hagnorigna toerana hahafahanay midoboke agny.'' Namaly i Elisa hoe: ''Afaka mandeha anareo.'' Ny raiky tamin-dreo nijaka hoe: '' 3Mandehana rô miarake amin'ireo mpanomponao.'' Ary namaly Elisa hoe: ''Handeha iaho.''4Koa nandeha niaraka tamin-dreo ijy, ary laha efa tonga tagny Jordana areo, die nanomboka nanapaka hajo. 5Fa raha teo am-pikapana ny raike, die nilatsaka tao agnaty rano ny lela-pamaky; nihiaka mahare ijy ary nijaka hoe: ''Loja tompoko, nindramina igny!6Ka hoy ilay lelahin'Andriamanitra hoe: ''Taja no nilatsahany? die natoron'ilay olo an'i Elisa ilay toerana. Die nanapaka tapa-kajo ijy, ary nanipy ijany tao agnaty rano, ka nampitsingevagna ny vy. 7Hoy i Elisa hoe: ''Alay io'' a nagnampatre ny tagnany ilay olo ary nangala an'ijany.8ry nanangagn'ady tamin'Israely ny mpanjakan'i Syria. Nivoria tamin'ny mpanompony ijy, nagnano hoe: ''Agny amin'ny toerana hôtran'ijao sy hôtran'ijao no hitobiako.'' 9Ka ilay lelahin'Andriamanitra ijay nalefa tagny amin'ny mpanjakan'Israely, nijaka hoe: ''Mitandrema tsy handalo amin'ijany toerana ijany, fa hijotso agny ireo Syriana.''10Nandefa hafatre tagny amin'ilay toerana ijay vôlaja sy nampitandreman'ilay lelahin'Andriamanitra an'ajy ny mpanjakan'Israely. Tsy indraike mandeha na indroe fotsiny, laha efa nandeha tagny ilay mpanjaka, die melo ijy. 11Vignitre mahare tamin'ireo fampitandremana ilay mpanjakan'i Syria, ka nangaike ireo mpanompony ijy ary nijaka tamin-dreo hoe: ''Tsy hijaka amin'ahy ve anareo hoe ija eo aminareo no miandany amin'ny mpanjakan'Israely?''12 hoy ny raike tamin'ireo mpanompony hoe: ''Tsiary, ry mpanjaka, tompoko, fa i Elisa mpaminany ao Israely no milaja amin'ny mpanjakan'Israely ireo jaka ijay jakainao ao amin'ny efitragno fatorianao!''13 Ary namaly ilay mpanjaka hoe: ''Mandehana ary rombejo ny misy an'i Elisa mba hahafahako mandefa olo hanambotre an'ajy. ''Nijakaina tamin'ajy hoe: ''Ijao, agny Dotana ijy.''14Koa nandefa sôvaly rahabe, kalesy, ary tafika lehibe tagny Dotana ny mpanjaka. Tamin'ny aligna ijy no tonga ary nagnodidigna ny tanàna. 15Laha efa nifoha maraigna ka nivôke tagny ivelany ny mpanompon'ilay lelahin'Andriamanitra, die io, ny tafike lehibe mideba sôvaly sy kalesy magnodidigna ny tanàna. Hoy ilay mpanompo tamin'ajy hoe: ''Ô, ry tompoko! Ino no ho ataontsena?''16 Elisa namaly hoe: ''Aja matahotre, fa ireo ijay miaraka amintsena die lalo mbola rahabe noho ireo ijay miarake amin-dreo.''17Nivavake i Elisa ary nijaka hoe: ''Ry Yaveh, mitalaho aminao ny mba hanokafanao ny masony mba hahita iaho.'' Ary nosokafan'i Yaveh ny mason'ilay mpanompo, ka nahita ijy. Io, ny tety die feno sôvaly sy kalesy afo magnodidigna an'i Elisa! 18Laha nijotso teo amin'ajy ireo Syriana, die nivavake tamin'i Yaveh i Elisa ary nijaka hoe: ''Mangataka aminao iaho, atôvy jamba ireo olo ireo.'' Koa nojambainy areo, araka ny nangatahan'i Elisa. 19Ary hoy i Elisa tamin'ireo Syriana hoe: ''Tsy io ny lalagna, na ilay tanàna. Araho iaho, fa hindôsiko agny amin'ilay rombejinareo anareo. ''Avy eo die notarihiny ho agny Samaria areo.20Ary laha efa tonga tagny Samaria areo, die hoy Elisa hoe: ''Ry Yaveh, sokafy ny mason'ireo olo ireo mba hahafahan-dreo mahita.'' Die nosokafan'i Yaveh ny mason-dreo ka nahita areo, ary io, teo agnivon'ny tanànan'i Samaria areo.21 Hoy ilay mpanjakan'Israely tamin'i Elisa, laha nahita an-dreo ijy: ''Ry iabako, tokony hovonoiko ve areo? Tokony hovonoiko ve areo?22Elisa namaly hoe: ''Ôke tsy hamono an-dreo anao. hovonoinao ve ireo ijay nobaboanao tamin'ny sabatre sy ny tsipika? Mametraha mofo sy rano eo alohan-dreo, mba hihinagna sy hignona areo, ary mandehana agny amin'ny tompon-dreo. 23Koa nagnomagna hanina rahabe ho an-dreo ilay mpanjaka, ary laha efa nihinagna sy ninogna areo, die nalefany, ka nipody tany amin'ny tompony. Tst nipody tagny amin'ny tanin'nIsraely nandritre ny fotôgna ela ireo tariky ny miaramila Syriana.24tôgna fohy tafaran'ijay die namory ny tafiny i Beni-hadada ary nanafike an'i Samaria sy nagnano fahirano an'ajy. 25Ka nisy mosary lehibe tagny Samaria. Io, nagnano fahirano areo mandra-pahalavo ho sekely volafotsy valopolo ny lohan'ampondra raike, aryny taim-boromamanga ampahefatry ny kaba ho sekely volafotsy ho sekely volafotsy dimy.26Laha nandalo teo amin'ny manda ny mpanjakan'Israely, die nisy viavy nihiake tamin'ajy , nijaka hoe: ''Vonjeo,ry mpanjaka, tompoko.''27Hoy ijy: '' Laha tsy magnampy anao i Yaveh, ahôna no ahafahako magnampy anao? Misy raha ve avy amin'ny famaragnam-bary sy ny famiajam-bôloboke?'' 28Dia nanohy ny mpanjaka hoe: ''Ino no olagnao?'' Ka namaly ijy hoe: ''Hoy itoy viavy itoy tamin'ahy: 'Omeo ny janakao mba hihinanantsena an'ajy niany, ary hihinagna ny janako antsena ampitso.''' 29Ka nampangotrahinay ny janako ary nohaninay, ary nijaka tamin'ajy iaho ny andro magnaraka hoe: ''Omeo ny janakao mba hihinantsena an'ajy, kanefa navoniny ny janagny.''30y laha efa naharegne jakan-draviavy ny mpanjaka, die nandriatre ny sikignany ijy( ary nandalo teo amin'ny manda ijy), ka nijaha ary nahita fa nanagna atina sikigna lamba fisaognana ijy, tegne an-kodiny. 31Ary hoy ijy hoe: ''Ôke anie Andriamanitra hagnano ijany amin'ahy, mihôtre noho ijany aja, laha mitoetra ao amin'ajy ny lohan'i Elisa janak'i Safata niany.'32fa i Elisa nidoboke tao an-dragnony, ary ireo loholo niara-nidoboke tamin'ajy. nandefa olo raike avy teo alohany ny mpanjaka, nefa laha efa tonga tagny amin'i Elisa ny mpitondra hafatre, die hoy ijy tamin'ireo loholo hoe: ''Io, ahôna ny fomba nandefasana itoy janaka mpamono olo itoy hanapaka ny lohako? Io, laha efa tonga ny mpitondra hafatre, die ampegno ny varangaragna, ary tajony himpegna mba tsy hidirany ny varangaragna. Moa ve tsy feon-kongotry ny tompony ijany ao afara ijany? 33Laha mbola nanohy voria tamin-dreo ijy, die igny, nijotso teo amin'ajy ilay mpitondra hafatre. Hoy ny mpanjaka hoe: '' Io, avy amin'i Yaveh ijao loja ijao. Nagnino iaho no tokony mbola handigny an'i Yaveh mandy?''
Chapter 7

1Hoy elisa hoe:'' Tenoy ny jakan'i Yaveh''. Ijao no vôlajan'i Yaveh: '''Ampitso amin'ny lera hôtran'ijao die ho sekely raike ny vangan'ny koba tsara toto eran'ny famarana, ary ho sekely raike ny vary hordea roe famarana, eo am-bavahadin'ny Samaria. '' 2Ary namaly ilay lelahin'Andriamanitra lehiben'ny mpiambigna raike ijay nagnankinan'ny mpanjaka ny tagnany, ary nijaka hoe: ''Io, na die hagnano hôke egne amin'ny lanitra aja i Yaveh, die hibôke ve ijany raha ijany?'' Ary namaly Elisa hoe:'' Io, hahita ny fitrangan'ijany ireo masonareo, kanefa tsy hihinagna amin'ijany anareo.''3ry nisy efa-dahy boka teo ivelagnin'ny vavahadin'ny tanàna. Nifampivoria areo hoe: ''Nagnino antsena no tokony mijanogna eto mandra-pahafatintsena? Laha nijaka antsena hoe tokony hiditre ao amin'ny tanàna antsena, kanefa misy mosary ao an-tanàna, die ho faty agny antsena. 4Nefa laha hijanogna eto antsena die mbola ho faty mandy koa. Ka andao, andao antsena ho agny amin'ny tafik'ireo Syriana. Laha tsy mamono antsena areo, die ho velogna antsena, fa laha mamono antsena areo, die ho faty antsena.5a nenga areo ny tsondrognandro mba henga agny amin'ny tobin'ny Syriana; laha efa tegny amin'ny faritry ivelan'ny toby areo, die tsy nisy olo tao. 6Fa efa nampandregnesin'ny Tompo ny feon'ireo kalesy, sy ny feon'ireo sôvaly-ny feon'ireo tafika lehibe hafa, ny tafikin'ny Syriana, ary nifampivoria areo hoe: ''Ny mpanjakan'Israely die efa nagnarama ireo mpanjakan'ireo Hetita sy ireo Egyptiana mba ho avy hanohitre antsena.7Die nenga sy nilefa ireo miaramila ny tsondrognandro; nabelan-dreo ny lainy, ireo sôvaliny, ireo ampondrany, ary hôtran'ijany koa ny toby, ary nilefa ho an'ny aigny areo. 8Laha efa tonga teo amin'ny faritre ivelan'ny toby ireo lelahy boka ireo, die niditre tao agnatin'ny lay raike areo ka nihinagna sy ninogna, ary nangala volafotsy sy volamena ary akanjo, die nandeha ka nagnavony an'ireo. Nipody areo ary niditre tao amin'ny lay hafa die nandroba ny tao mandy koa areo, ary nandeha ka nagnavony an'ijany.9Avy eo die nifampivoria areo hoe: ''Tsy nagnano ny marina antsena. Andron'ny filazantsara izao andro izao, nefa mitajogna fahanginagna momba ijany antsena. Laha mandigny mandra-pahajavan'ny andro antsena, die hisy famejana hiatra amintsena. Ankehitriny ary andao ôke antsena handeha ary hijaka ny ankohonan'ny mpanjaka.'' 10Nandeha areo ka nangaike ireo mpiambigna vavahady tao an-tanàna. hoy areo tamin-dreo: ''Nenga agny amin'ny tobin'ireo Syriana ahay, nefa tsy nisy olo tao, tsy nisy feon'olo fa ireo sôvaly sy ampondra mifatotre no ao, ary ireo lay ijay nidobohany.'' 11Die nihiake mahare ireo vaovao ny mpiambigna vavahady, avy eo die nijakaina tao amin'ny ankohonan'ny mpanjaka ijany.12Ary nifoha ny mpanjaka ny aligna ary nilaja tamin'ireo mpanompony hoe: ''Ankehitriny die ambarako anareo ny nataon'ireo Syriana tamintsena. fanta-dreo fa mosaregna antsena, niala ny toby areo mba hivony agny an-karegnana. Hoy areo: ''Laha efa mivôke ny tanàna areo, die ho ataontsena sambo-belogna, ka hidirantsena ny tanàna. 13Namaly ny raike tamin'ireo mpanompon'ny mpanjaka sady nijaka hoe: ''Mitalaho aminao iaho, abelao hangala dimy amin'ireo sôvaly tabela ireo lelahy, die ijay tabela tao an-tanàna ijany. Areo die hôtran'ny ambin'ireo vahôkan'Israely abiaby ijay tabela_fa efa maty ny ankamaroany ankehitriny; ôke antsena handefa an-dreo ka hahita.''14Ka nagala kalesy roe niaraka tamin'ny sôvaly areo, ka nirahan'ny mpanjaka hagnarake ireo tafik'ireo Syriana areo, nijaka hoe: ''Mandehana ary jahao.''15 Nandeha nagnaraka an-dreo lahatagny Jordana areo, ka feno fitafiana sy fitôvana ijay narian'i Syriana tami-pikoropahan,a ny lalagna abiaby. Die nipody ny mpitondtra hafatra ary nijaka tamin'ny mpanjaka.16Nilefa ireo vahôke sady nandroba ny tobin'ireo Syriana. Ka namidy ho sekely raike ny koba tsara toto eran'ny famarana, ary vary hordea roa famarana die sekely raike, arake ny efa vôlajan''ny jakan'i Yaveh. 17Nobekoin'ny mpanjaka ilay lehiben'ny mpiambigna ijay akeky an'ajy mba hiambigna vavahady, ary vôhitsakitsak'ireo vahôke teo am-bavahady ijy. Ary maty ijy hôtran'ny efa vôlajan'ny lelahin'Andriamanitra, ijay nijaka laha efa nijotso teo amin'ajy ny mpanjaka.18Ka niboke ijany arake ny efa nojakain'ny lelahin'Andriamanitra tamin'ny mpanjaka hoe: ''Amin'ijao fotôgna ijao eo am-bavahadin'ny Samaria, die ajo vangaina ho sekely raike ny vary hordea roe famarana,ary ny koba tsara toto die ho sekely raike. 19Namaly an'ilay lelahin'Andriamanitra ijany lehiben'ny mpiambigna ijany sady nijaka hoe: ''Ijao, na die hagnano hôke egne an-danitra aja i Yaveh, hitanga ve ijany raha ijany? efa nijka i Elisa hoe: ''Ijao, hahita ny fitrangan'ijany amin'ny masonareo anareo, kanefa tsy hihinagna amin'ijany anareo. 20Hôtran'ijany tokôtre no nibô5tamin'ajy, satria vôhitsakitsakin'ny vahôke teoam-bavahady ijy, ary maty.
Chapter 8

1ry Elisa nivoria tamin-draviavy endrin'ilay jaja novelominy. Hoy ijy tamin'ajy: Mitsangana, ary mandehana miaraka amin'ny ankohonanao, ka mitoboha n'aja n'aja ajonao hidobohana agny an-tany hafa, satria Yaveh efa nangaike mosary ho tonga eto amin'itoy tany itoy mandritre ny fito taogna.'' 2Ka die nitsangagna raviavy ary nankato ny tenin'ilay lelahin'Andriamanitra. Nandeha niaraka tamin'ireo ankohonany ijy ary nidoboke tagny amin'ny tanin'ny filistina fito taogna.3Ary ny faran'ny fito taogna die nipody avy tao amin'ny tanin'ny Filistina raviavy, die nenga agny amin'ny mpanjaka ijy mba hiangavy ny amin'ny tragnony sy ny amin'ny taniny. 4Ary ny mpanjaka nivoria tamin'ny Gehazy mpanompon'ilay lelahin'Andriamanitra, nagnano hoe: ''Mba jakao an'ahy rô ireo raha lehibe ijay nataon'i Elisa.''5Ka laha nijaka tamin'ny mpanjaka ny fomba nameloman'i Elisa ilay jaja ijay efa maty ijy, die tonga ilay viavy endrin'ilay jaja novelominy mba hiangavy ny mpanjaka ny amin'ny tragnony sy ny taniny. Hoy Gehazy: ''ry mpanjaka, tompoko, itoy ilay viavy, ary itoy ny janagny lahy, ijay novelomin'i Elisa. 6''Laha efa nagnontany an-draviavy momba ny janagny ny mpanjaka, die najavainy tamin'ajy ijany. Ka nandidy manam-pahefana raike ho an'ajy ny mpanjaka, nagnano hoe: ''Apodio amin'ajy ijay abiaby an'ajy ary ny vokatry ny haregnany abiaby lahatamin'ny andro ,ijay nandôjany ny tany ka lahatamin'ijao.''7Nenga agny Damaskosy tagny amin'ijay nararian'i Beni-hadada mpanjakan'i Syria i Elisa. Nojakaina ny mpanjaka hoe: ''Tonga eto ilay lelahin'Andriamanitra.'' 8Hoy ny mpanjaka tamin'i Hazaela: ''Mitondra fagnomejana egny an-tagnanao ary mandehana mitsena ilay lelahin'Andriamanitra, ary magnotania an'i Yaveh amin'ny alalagny, magnano hoe: ''Ho sitragna amin'ijao aretigna ijao ve iaho? '' 9Dia nandeha nitsena an'ajy i Hazaela ary nitondra fagnomejana tamin'ijay raha-soa isan-karajagny avy tao Damaskosy, nindôsina rameva efapolo. Die tonga i Hazaela ary nitsangagna teo alohan'i Elisa ka nagnao hoe: ''Ny janakao lahy Beni-hadada mpanjakan'i Syria no nagniraka an'ahy ho atoy aminao magnano hoe: 'Ho sitragna amin'ijao aretigna ijao ve iaho?10Hoy i Elisa, tamin'ajy: ''Mandehana, jakao i Beni-hadada hoe: 'Ho sitragna tokôtre anao', nefa i Yaveh efa nampiboke an'ahy fa ho faty tokôtre ijy.'' 11Die nijaha an'i Hazaela mandra-pahamegnatra an'ajy i Elisa, die nitagny ilay lelahin'Andriamanitra. 12Nagnotany i Hazaela hoe: ''Nagnino anao no mitagny, ry tompoko?'' Namaly ijy hoe: ''Satria fantatro ny ratsy ijay hataonao amin'ny vahôkan'Israely. Hagnoro ny fiarovana mafin-dreo anao, ary hamono ny jalahin-dreo amin'ny sabatre, handrasarasa ny janaka madinikan-dreo anao, ary hanataka viavy betroke ao amin-dreo.13Hazaela namaly hoe: ''Ija moa itoy mpanomponao, no hagnano ijany raha lehibe ijany ijy? Amboa fotsiny mandy ijy.'' Namaly Elisa hoe: ''Efa nabokan'i Yaveh an'ahy fa ho lasa mpanjakan'i Syria anao. 14''Die nandao an'i Elisa i Hazaela ary nenga agny amin'ny tompony, ijay nijaka tamin'ajy hoe: ''Ino no nojakain'i Elisa taminao? ''Namaly ijy hoe: ''Nijaka tamin'ahy ijy fa hositragna tokôtre anao. 15''Ary ny ampitso die nangala bodofotsy i Hazaela ary nagnatsoboke an'ijany tao agnaty rano, ary namelatre an'ijany teo amin'ny tarehin'i Beni-hadada mba ho faty ijy. Die lasa mpanjaka nandimby ny toerany i Hazaela.16Tamin'ny taogna fahadimy nanjakan'i Jorama janaka lahin'i Ahaba, mpanjakan'Israely, die nanomboka nanjaka i Jehorama. Ijy die janaka lahin'i Josafata mpanjakan'i Joda. 17Jehorama die roa amby telopolo taogna no nanomboke nanjaka, ary nanjaka nandritre ny valo taogna tao Jerosalema ijy.18ndeha tamin'ireo lalagn'ireo mpanjakan'Israely i Jehorama, hôtran'ijay nataon'ny ankohonan'i Ahaba; satria nanagna ny janaka vavin'i Ahaba ho vadiny ijy, ka nagnano ijay ratsy teo imason'i Yaveh ijy. 19Na die ijany aja, nohon'ny amin'ny Davida mpanompony, die tsy te-handrava an'i Joda i Yaveh, satria nijaka tamin'ajy Ijy fa hagnome an'ajy taranake fehijay.20Tamin'ny andron'i Jehorama, die nikomy nanohitre ny tanan'i Joda i Edoma, ary nametraka mpanjaka ho an'ny tegnany areo . 21Avy eo die nitsake niaraka tamin'ireo mpifehiny sy ireo kalesiny abiaby i Jehorama. Die nitsangagna ijy ny aligna ka nanafike ary namely ireo Edomita, ijay nagnodidigna an'ajy sy ireo mpifehy ireo kalesy. Die nilefa tagny an-dragnon-dreo ny tafik'i Jehorama.22Ka nikomy nanohitre ny fitsipik'i Joda mandraka ankehitriny i Edoma. Nikomy mandy koa i Libna tamin'io fotôgna io. 23Ary ny amin'ireo raharaha hafa mahakasike an'i Jehorama, ijay abiaby natoany, moa tsy efa vôsoratra ao amin'ny bokin'ireo tantaran'ny mpanjakan'i Joda ve ijany? 24Maty ary nitrehe niaraka tamin'ireo razagny i Jehorama, ary nalevigna niaraka tamin'ireo rajagny tao an-tanànan'i Davida. Die i Ahazia janagny lahy no tonga mpanjaka nandimby toerany.25Tamin'ny taogna faharoa ambin'ny folo nanjakan'Israely, no nanomboka nanjaka i Ahazia, janaka lahin'i Jehorama, mpanjakan'i Joda. 26Roa amby roapolo taogna i Ahazia no nanomboke nanjaka; nanjaka nandritre ny herin-taogna tao Jerosalema ijy. Ny agnaran'ny endriny die Atalia; ijy die janake vavin'i Omry, mpanjakan'Israely. 27Ary nandeha tamin'ireo lalagn'ny ankohonan'i Ahaba i Ahazia; nagnano ratsy teo imason'i Yaveh ijy, hôtran'ijay nataon'ny ankohonan'ny Ahaba, satria i Ahazia die vinanto lahy tamin'ny taranak'i Ahaba.28Nandeha niaraka tamin'i Jorama janaka lahin'i Ahazia, mba hiady amin'i Hazaela, mpanjakan'i Syria, ao Ramota-gileada. Nandratre an'i Jorama irezo Syriana. 29Nipody i Jorama mpanjaka mba ho tsaboina agny jezirela amin'ireo fere ijay nataon'ireo Syriana tamin'ajy tao Rama, laha efa niady tamùin'i Hazaela mpanjaka ijy. Ary i Ahazia janaka lahin'i Jehorama, mpanjakan'i Joda, nijotso ho agny Jezirela mba hijaha an'i Jorama janaka lahin'i Ahaba, satria vôfere i Jorama
Chapter 9

1Nangaike ny raike tamin'ireo janaky ny mpaminany i Elisa mpaminany ka nagnano tamin'ajy hoe: ''Misikigna ho an'ny dia ary reso eo an-tagnanao itoy tavoahangy kely misy diloilo itoy ary mandehana agny Ramota-gileada. 2laha efa tonga anao, die rombejo i Jeho janake lahin'i Josafata janak'i Nemsy, ka midira ary ampitsangano eo amin'ireo akamany ary indôsy ao agnaty efitre agnatiny raike ijy. 3Ary alay ny tavoahangy misy diloilo ka araraho eo ambony lohany ary jakao hoe: 'Ijao no jakain'i Yaveh: ''efa nosorako ho mpanjaka eo amin'Israely anao. '' Avy eo die sokafy ny varangaragna, ka milefa; die aja mitaredretra.''4Ary nandeha tagny Ramatoa-gileada, ilay jalahy, mpaminany. 5Laha tonga ijy, indreo, nidoboke ny kapitenin'ny tafika. Ary hoy ilay mpaminany jatovo: '' Nitondra hafatre ho anao iaho, ry kapiteny.''Jeho namaly hoe: ''Ho an'ija aminay ijany?'' Ilay mpaminany jatovo namaly hoe: ''Ho anao: '' Ho anao, ry kapiteny.''6 Ka nitsagagna i Jeho ary niditre tagny an-dragno, ary nararak'ilay mpaminany jatovo teo ambonin'ny lohany ny diloilo ka hoy ijy tamin'ny Jeho: ''Ijao no jakain'Yaveh, ilay Andriamanitr'Israely: 'Efa nagnosotre anao ho mpanjaka teo amin'ny olon'i Yaveh, teo amin'Israely Iaho.7Tsy mentsy vonoinao ny fianakavian'i Ahaba tomponao, mba hamaliako faty ny ran'ireo mpaminany mpanompoko, sy ireo ran'ireo mpanompon'Yaveh abiaby, ijay novonoin'ny Jezebela. 8Fa ho ringagna ny fianakavian'i Ahaba abiaby, ary ho foagnako eo amin'ny Ahaba ny janaka lahy abiaby, na andevo ijany na olo afake.9Ho ataoko hôtran'i Jeroboama janaka lahin'i Nebata sy hôtran'i Basa janaka lahin'i Ahia ny ankohonan'i Ahaba. 10Ireo amboa no hihinagna an'i Jezebela ao Jezirela, ary tsy hisy olo handevigna an'ajy. '' Ary nosokafan'ilay mpaminany ny varangaragna ka nilefa ijy.11Ary Jeho nivôke teo amin'ireo mpanompon'ny tompony, ary nisy raike nagnano hoe: ''Mandeha tsara ve ny raha abiaby? Nagnino no nenga ao aminao igny olo marary saigna igny? Jeho namaly an-dreo hoe: ''Fantatrareo igny olo igny ary fantatrareo ijay raha jakainy. 12Hoy areo: ''Vandy ijany. Jakao anay. ''Jeho namaly hoe: ''Hôtran'ijany sy ijany no nojakainy tamin'ahy, ary hoy koa ijy hoe: ''Ijao no jakain'Yaveh: Efa nagnosotra anao ho mpanjaka teo amin'Israely Iaho.13 Ary die samby nangala malaky ny sikignany ivelany areo ka nametrake an'ijany teo ambanin'i Jeho tegne amin'ny farany ambonin'ny tohatre. Notsofin-dreo ny trompetra ary hoy areo hoe: ''Mpanjaka i Jeho.''14Ijany no fomba nikomiany Jeho janaka lahin'i Josafata janak'i Nimsy hanohitre an'i Jorama. Ary Jorama mpanjaka efa niaro an'i Ramota-gileada, ijy sy ny Israely abiaby, noho i Hazaela mpanjakan'i Syria,15 kanefa nipody tagny Jezirela i Jorama mpanjaka mba ho sitragna amin'ireo fere ijay nataon'ireo Syriana an'ajy, laha efa niady tamin'i Hazaela mpanjakan'i Asyria ijy. Hoy i Jeho tamin'ireo mpanompon'i Jorama: ''Laha ijany ny hevitrareo, die aja abela hisy olo hitsôke ary hivôke ny tanàna, mba hijakana ijao vaovao ijao any Jezirela.''16 Ka nideba kalesy nenga agny Jezirela i Jeho; satria nangala aigna tagny i Jorama. Ary nandeha nijotso mba hihaogna amin'i Jorama i Ahajia mpanjakan'i Joda.17Nitsangagna teo amin'ny tilikambon'i jezirela ny mpitily, ary hitany nagnatogna avy lavitre ireo akaman'i Jeho; hoy ijy: ''Mahatsinjo andian'olo magnatogna iaho.''Jorama nagnano hoe: ''Mangala mpideba sôvaly raike, ary alefaso mba hitsena an-dreo ijy; jakao ijy mba hijaka hoe: Tonga mba hihavana ve anareo? '' 18ka nalefa mba hitsena an'ajy ilay mpideba sôvaly: Ary hoy ijy: '' Ijao no jakain'ny mpanjaka: 'Tonga mba hihavana ve anareo?''' Ary hoy i Jeho: '' Mpifagnino anareo syny fihavanana? Mihodina ary magnaraha an'ahy. '' Ary nijaka tamin'ny mpanjaka ilay mpitiliny hoe: '' Nihaogna tamin-dreo ilay mpitondra hafatre kanefa tsy nipody ijy.''19Ary nandefa mpideba sôvaly raike faharoa ijy, ijay ,enga egne amin-dreo ka nagnano hoe: ''Ijao no jakain'ny mpanjaka: Tonga mba hihavagna ve anareo? ''' Jeho namaly hoe: ''Mpifagnino moa anao sy ny fihavanana? Mivilia ary magnaraha an'ahy.'' 20Nitatitre indraike ilay mpitily hoe: ''Nihaogna tamin-dreo ijy, kanefa tsy nipody. fa ny lalagna ijay nitondràna kalesy no lalagna nandehan'i Jeho janaka lahin'i Nimsy; die nirifatra mafy ijy.''21Ka hoy i Jorama: ''Homany ny kalesiko.'' Ary nomanin-dreo ny kalesiny, ary samy nideba ny kalesiny aby, i Jorama mpanjakan'Israely sy Ahazia mpanjakan'i Joda, mba hihaogna amin'i Jeho. Hitan-dreo tao amin'ny tanànan'i Nabota ilay Jezirelita ijy. 22Laha hitan'i Jorama i Jeho, die hoy ijy: ''Tonga mba hihavagna ve anao, ry Jeho? Ijy namaly hoe: ''Ino no fihavanana eo, laha mbola maro be koa ny fanompoan-tsampy amin'ny asa fivarotan-tegna sy ny ody ratsin'i Jezebela endrinao?''23Ary navilin'i Jorama ny kalesiny ka nilefa ijy ary nijaka tamin'i Ahazia hoe: ''Misy fitaka, ry Ahazia.''24 Ary die nenjagnin'i Jeho tamin'ny heriny abiaby ny tsipikany ka notifiriny ny teo agnelagnelan'ny sorok'i Jorama; nitsatoke teo amin'ny fony ny jana-tsipika, ka nidaraboka avy teo amin'ny kalesy ijy.25Ary hoy i Jeho tamin'i Bidkara kapiteniny: ''Alay ijy ary atsipazo ao amin'ny sahan'i Nabota ilay Jezirelita. Tsarovy tamin'ny iaho sy anao nirake nitondra kalesy nagnaraka an'i Ahaba iabany, die nametrake ijany faminaniana ijany hamelezana an'ajy i Yaveh: 26Yaveh nagnamabara hoe nahita ny ran'i Nabota sy ny ran'ireo janagne lahy Iaho omaly- ary hampagnonitra ijany eto amin'itoy harenagna ity tokôtre Iaho-hoy i Yaveh. Koa ankehitriny, alay ijy ary atilio eo amin'io harenagna io, araka ny jakan'i Yaveh.''27Laha efa nahita an'ijany i Ahazia mpanjakan'i Joda, die nilefa niakatre tagny amin'ny lalagna menga agny Beta Hagana ijy. Fa i Jeho nagnaraka an'ajy, ary nagnano hoe: ''Vonoy eo amin'ny kalesy mandy koa ijy,'' ary notifirin-dreo teo fiakarana ho agny Gora, ijay eo akekin'i Jbleama ijy. Nilefa tagny Megido i Ahazia ka die maty tagny. 28Nindôsin'ireo mpanompony nenga agny Jerosalema ny fatiny ary nalevigna tao amin'ny fasagny niaraka tamin'ireo rajambeny tao an-tanàn'i Davida ijy.29Ary tamin'ny faha iraika ambin'ny folo taogna nanjakan'i Jorama janaka lahin'i Ahaba no nanomboka nanjaka teo amin'i Joda i Ahazia.30Laha efa tonga tao Jezirela i Jeho, die regnin'i Jezebela ijany, ary nandoko ny masony, sy nibango ny volony, ary nitsinjo teo an-kôke ijy. 31Laha niditre ny vavahady i Jeho, die hoy ijy tamin'ajy hoe: ''Tonga mba hihavagna ve anao, ry Zimry, mpamono ny tomponao?''32 Niandrandra tegne an-kôke i jeho ary hoy ijy: ''Ija no miandany amin'ahy ? Ija?'' Avy eo die nisy tandapa roe na telo nitsinjo.33 die hoy i Jeho: ''Alatsaho ijy.'' Ka nalatsa-dreo i Jezebela, ary ny saragne tamin'ny rany nipitipitike tegne amin'ny rindrigna sy ireo sôvaly, ka nohosihosen'i Jeho tamin'ny hongony ijy. 34Laha efa niditre tao amin'ny lapa i Jeho, die nihinagna sy ninogna ijy. Ary hoy ijy: ''Jahao amin'ijay ilay viavy vôojogna ary alevegno ijy, fa janaka vavin'ny mpanjaka ijy. ''35ndeha nandevigna an'ajy areo, kanefa tsy nahita afa-tsy karandoha sy hongotre, ary ny felatagnany areo. 36Ka nipody areo ary nijaka tamin'i Jeho. Hoy ijy: ''Ijao ny jakan'i Yaveh ijay nojakainy tamin'ny alalagn'i Elia Tisibita mpanompony, magnano hoe: 'Ao amin'ny tany ao Jezirela no hihinanan'ireo amboa ny nofon'i Jezebela, 37ary ny fatin'i Jezebela, die ho hôtran'ny jejika eo amin'ny velaran'ny haregnana eo amin'ny tany ao Jezirela, mba tsy hisy olo afaka hijaka hoe: ''Jezebela io.''''
Chapter 10

1Ary nanagna taranaka fitopolo tagny Samaria i Ahaba. Nanoratre taratasy i Jeho ka nandefa an'ijany tagny Samaria, ho an'ireo mpanapake an'i Jezirela, tao agnatin'ijany ireo loholo sy ireo mpiambigna ny taranak'i Ahaba, nijaka hoe: '' 2Eo aminareo ireo taranaky ny tomponareo, ary managna kalesy sy sôvaly ary tanàna vôaro sy sikigna fiarovana mandy koa anareo. Noho ijany, laha vô tonga eo aminareo itoy taratasy itoy, 3die safidio ijay tsara sy mendrike indrindra amin'ireo taranaky ny tomponareo ka apetraho eo amin'ny seja fiandrianan'iabany ijy, ary miadia ho an'ny fianakavian'ny mpanjaka tomponao.''4Fa nihorohoro areo ka nifampilaja hoe: ''Io, mpanjaka roe aja tsy nahajanogna teo ankatrehan'i Jeho. Koa ahôna moa no hahajanognantsena? 5''Avy eo ilay lelahy ijay misahana ny lapa, sy ilay lelahy nanapaka ny tanàna, sy ireo loholo mandy koa, ary ireo ijay niteja ireo jaja, die nandefa jaka nipody tagny amin'i Jeho, nijaka hoe: ''Mpanomponao ahay. Hataonay ijay abiaby handidianao anay, tsy hametrake olo ho mpanjaka anay. Atôvy ijay fantatrao fa mety eo imasonao.''6Ary nanoratre taratasy fagnindroany ho an'ajy areo i Jeho, nilaja hoe: ''Laha miandany amin'ahy anareo, ary laha miteno ny feoko anareo, die tsy mentsy tapahinareo ny lohan'ireo lelahy taranaky ny tomponareo, ary mandehana atoy amin'ahy atoy Jezirela ampitso amin'ny lera hotran'ijao. '' Ankehitriny ireo taranaky ny mpanjaka, miisa fitopolo, die niaraka tamin'ireo lelahy manan-danja teo an-tanàna, ijay niteja an-dreo.7 Ka laha efa tonga teo amin-dreo ilay taratasy, die nalainy ireo janaka lahin'ny mpanjaka ka novonoiny, olo fitopolo, nataony tao agnaty sobika ny lohan-dreo, ary nalefany tagny amin'i Jeho tagny Jezirela ireo.8Nisy mpitondra hafatre tonga teo amin'i Jeho, nilaja hoe: ''Efa nitondra ny lohan'ireo janaka lahin'ny mpanjaka areo.'' Ka hoy ijy: ''Atôvy antontan-draha roe ho eo amin'ny vavahady fidirana areo mandra-maraigna. 9Ny maraigna i Jeho die nivôke ka nitsangagna, ary nijaka tamin'ny vahôke abiaby hoe: ''Tsy manan-tsiny anareo. Io, nikomy tamin'ny tompoko iaho ka namono an'ajy, fa ija no namono ireto abiaby ireto?10kehitriny die tokony ho tsapanareo tokôtre fa tsy nisy tamin'ny jakan'i Yaveh, ny jaka ijay nijakainy mahakasika ny fianakavian'i Ahaba, hiraraka amin'ny tany, satria Yaveh no nagnano araka ijay nijakainy tamin'ny alalagn'i Elia mpanompony.'' 11Ka novonoin'i Jeho ijay sisa tabela tamin'ny fianakavian'i Ahaba tagny Jezirela, sy ireo lelahy manan-danjany, ireo akamany akeky, ireo mpisorogny mandra-pahalany tamingagna an-dreo.12Avy eo die nitsangagna i Jeho ka lasa; nenga agny Samaria ijy. Ary laha vô tonga tao Bet-ekedan'ny mpiarakandro ondry ijy,13 die nifanepaka tamin'ireo rahalahin'i Ahazia mpanjakan'i Joda. Hoy i Jeho tamin-dreo: ''Ija anareo?'' Namaly areo hoe: ''Rahalahin'i Ahazia ahay, ary hijotso mba hiarahaba ireo janaky ny mpanjaka sy ireo janak'i Jezebela Mpanjakavavy ahay.'' 14Hoy i jeho tamin'ireo lelahiny: ''Atôvy sambom-belogna areo ary novonoiny tagny amin'ny lavaka famorian-dranon'i Bet-ekda, ireo roe amby efapolo lahy. Tsy nisy nabelany ho velogna areo.15Laha efa niala teo i Jeho, die nifanepaka tamin'ny Jonadaba janaka lahin'i Rekaba ary nagnatogna an'ajy. Niarahaba an'ajy i Jeho ka nijaka tamin'ajy hoe: ''Miarake amin'ahy ve ny fonao, hôtrany foko ijay miaraka amin'ny anao?'' Namaly i Jonadaba hoe: ''Ijany tokôtre. ''Hoy i Jeho: ''Laha ijany tokôtre no ijy die atolory an'ahy ny tagnanao.'' Ka natolotr'i Jonadaba an'ajy ny tagnany, ary nampiakarin'i Jeho niaraka tamin'ajy teo amin'ny kalesiny i Jonadaba. 16Hoy i Jeho ''Miaraha amin'ahy ka jahao ny jotom-poko ho an'i Yaveh.'' Ka niara-nandeha tamin'ajy tao amin'ny kalesiny i Jonadaba. 17Laha tonga tagny Samaria ijy, die novonoin'i jeho aby koa ny taranak'i Ahaba ijay sisa tabela tagny Samaria, mandra-pandringanany ny fianakavian'i Ahaba mpanjaka, araka ijay nijakaina tamin-dreo tagny aloha tamin'ny alalagn'i jakan'i Yaveh, ijay nijakainy tamin'i Elia.18Ary nampivory ny olo abiaby niaraka i Jeho ka nijaka tamin-dreo hoe: ''Ahaba die nanompo an'i Bala kelikely mandy, fa Jeho koja hanompo an'ajy fatratre. 19Ankehitriny ary angeho ho eto amin'ahy aby koa ireo mpaminan'i Bala abiaby, sy ireo mpanompo an'ajy abiaby, ary ireo mpisorogny abiaby. Ôke tsy hisy tabela, satria managna fanatitra lehibe hatolotra ho an'i Bala iaho. Ijay abiaby tsy tonga die tsy ho velogna. '' Fa nataon'i Jeho ijany mba ho famitahana, tamin'ny fikasany hamono ireo mpanompon'i Bala.20 Hoy i Jeho: '' Manokana fotôgna raike mba hanôvana fivoriana ho an'i Bala.'' Ka nambaran-dreo ijany.21Ary nagniraka magneragna an'Israely abiaby sy ireo mpanompo an'i Bala abiaby i Jeho, mba tsy hisy olo tabela ka tsy tonga. Tonga tao amin'ny tempolin'i Bala areo, ary feno hatr'aja hatr'aja. 22Nijaka tamin'ilay lelahy mpitahiry ny sikignan'ny mpisorogna i Jeho hoe: ''Mamoaha sikigna ho an'ireo mpisorogn'i Bala abiaby. '' Ka namôke sikigna ho an'ajy ireo lelahy.23Ary lasa niaraka tamin'i Jonadaba janaka lahin'i Rekaba ho ao an-dragnon'i Bala i Jeho, ary hoy ijy tamin'ireo mpanompon'i Bala: ''Zahao, ary atôvy ajo antoke fa tsy hisy avy amin'ny mpanompon'i Yaveh ny raike aminareo eto, fa mpanompon'i Bala mandy.'' 24Die nandeha nanolotre sorogna sy fanatitre orôna areo. Ary nifidy lelahy valopolo hitsagagna eo ivelany i Jeho, ary hoy ijy tamin-dreo: ''Laha misy tafatsôke amin'ireo lelahy ijay indôsiko eo an-tagnanareo, n'ija n'ija mamela an'ijany, olo ijany hilefa, die ho alaina amin'ajy ny aigny ho solon'ilay tafatsôke.''25Ary vantany vao vitan'i Jeho ny fanolorana ny fanatitra orôna, die hoy ijy tamin'ilay mpiambigna sy ireo kapiteny: ''Midira ka vonoy areo. Aja abela hisy ho tafavôke.'' 26Ka novonoin-dreo tamin'ny lelan-tsabatre ireo, ary ny mpiambigna sy ireo kapiteny nanipy an-dreo tagny ivelany ary niditra tao agn'efitra agnatin'ny tragnon'i Bala. Notarihin-dreo nivôke ny andry vato tao an-dragnon'i Bala, ary norôn-dreo ijany. 27Avy eo die narodan-dreo ny andrin'i Bala, ka noravainy ny tragnon'i Bala ary nataony tragno fivoahana, ary mandraka ankehitriny ijany. 28Hôtran'ijany no nandravan'i Jeho ny fanompoana an'i Bala tagny Israely.29Kanefa tsy nandao ireo fahotan'i Jeroboama janaka lahin'i Nebata i Jeho, ijay nampagnotany ny Israely _ ijay fanompoana ny ombilahikely volamena tagny Betela sy Dana. 30Ka hoy i Yaveh tamin'i Jeho hoe: ''Satria anao nagnano ijay tsara tamin'ny fagnantanterahana ijay marina teo imasoko, ary nagnano ny ankohonan'i Ahaba arak'ijay abiaby tato am-poko, ireo taranakao die hipetraka eo amin'ny seja fiandrianan'Israely hatramin'ny taranake fahefatre. '' 31Fa tsy niraharaha ijay handeha amin'ny lalàn'i Yaveh, ilay Andriamanitr'Israely, tamin'ny fony abiaby i Jeho. Tsy niala tamin'ny fahotan'i Jeroboama ijy, ijay nampagnotany ny Israely.32min'ireo andro ireo i Yaveh no nanomboke nametra ny faritr'Israely, ary i Hazaela nandresy ireo Israelita tegne amin'ny sisin-tanin'ny Israely, 33lahatagny Jordana no ho miantsignanana, ny tanin'i Gileada abiaby, ny Gadita, ary ny Robenita, sy ny Manasita, avy agny Aroera, ijay avy eo amin'ny lohasahan'i Arnona, lahatagny Gileada ka lahatagny Basana.34Laha ny amin'ireo raharaha hafa mahakasika an'i Jeho, sy ijay abiaby nataony, sy ny fahefany abiaby, moa tsy vôsoratre ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'Israely ve ijany? 35Nodimandry niaraka tamin'ireo rajambeny i Jeho, ary nalevin-dreo tagny Samaria ijy. Ary i Joahaza janagny lahy no lasa mpanjaka nandimby an'ajy. 36Valo amby roapolo taogna ny fotôgna nanjakan'i Jeho teo amin'Israely tany Samaria.
Chapter 11

1Lahy hitan'i Atalia, endrin'i Ahazia, fa maty ny janagny, die nitsangagna ijy ary namono ny janaky ny mpanjaka abiaby.2 Nefa i Joseba, janake vavin'i Jehorama Mpanjaka ary ny anakavin'i Ahazia, die nangala an'i Joasy janak'i Ahazia, ary nagnavony an'ajy lavitre teo amin'ireo janaky ny mpanjaka ijay novonoina, miaraka amin'ny mpiteja an'ajy; nataony tao amin'ny efitragno fatoriana an-dreo. 3Navonin-dreo an'i Atalia ijy mba tsy hovonoina. Niaraka tamin'ny Joseba ijy, navony tao an-dragnon'i Yaveh, nandritre ny enin-taogna, laha mbola nanjaka teo amin'ny tany i Atalia.4Ary tamin'ny taogna fahafito, die nandefa hafatre sy nitondra ireo mpifehy ny Karita sy ny mpiambigna an-jatony i Joiada, ary nitondra an-dreo ho an'ajy, tao an-tempolin'i Yaveh. Die nagnano fanekena tamin-dreo ijy ka nasainy nagnano voady tao an-dragnon'i Yaveh areo. Avy eo die die nabôkany an-dreo ny janaky ny mpanjaka. 5Nibeko an-dreo ijy, nagnano hoe: ''Ijao no tsy mentsy ataonareo. Ny telo aminareo ijay tonga amin'ny andro Sabata die hiambigna ny tragnon'ny mpanjaka, 6ary ny telo ho ao amin'ny Vavahadin'ny Sora, ary ny telo ao am-bavahady ao afaran'ny tragno fiambenana7Ireo vondrogna roe hafa ijay tsy manompo amin'ny andro Sabata, die tsy mentsy miambigna ny tragnon'i Yaveh ho an'ny mpanjaka anareo. 8Tokony mihodidigna ny mpanjaka anareo, ary ny olo abiaby miaraka amin'ny fitôvam-piadiana eny an-tagnany. N'ija n'ija miditre eo an-daharanareo, die ôke hovonoina ijy. Tsy mentsy hagnaraka ny mpanjaka anareo laha efa mivôke, sy laha efa miditre ijy.9y ireo mpifehy an-jatony die nankato ny raha abiaby ijay nandidian'i Joiada mpisorogna. Samy nangala ny olony ny kiraidraike, ireo ijay niditre mba hanompo tamin'ny Sabata, sy ireo hitrehe hanompo tamin'ny Sabata; die nandeha tagny amin'ny Joiada mpisorogna areo. 10Ary nomen'i Joiada mpisorogna ny mpifehy an-jatony ny lefogna sy ny apinga ijay an'i Davida Mpanjaka sy ijay tao an-dragnon'i Yaveh.11Ary nitsangagna ireo mpiambigna, ny olo kiraidraike miarake amin'ny fitôvam-piadiana egne an-tagnany, teo ankavanan'ny tempoly lahatagny ankavia, akekin'ny alitara sy ny tempoly, mihodidina ny mpanjaka. 12Die nindôsin'i Joiada nivôke i Joasy janaky ny mpanjaka, nametrahany satro-boninahitre, ary nomeny an'ajy ny didy fanekena. die nataony mpanjaka sy nosoran-dreo ijy. Nitefake areo ary nijaka hoe: '' Ho ela velogna anie ny mpanjaka!''13Laha efa regnin'i Atalia ny tabataban'ireo mpiambigna sy ny olo, die nenga ao amin'ny olo tao an-dragnon'i Yaveh ijy. 14Nijaha ijy, ary io, ny mpanjaka nitsangana teo akekin'ny tsangam-bato, araka ny fanao, ary ireo kapiteny sy ireo mpitsoka trompetra die teo agnilan'ny mpanjaka. Ary ny olo abiaby teo amin'ny tany die nifaly sy nitsoka trompetra. Die nandriatre ny sikignany i Atalia ka nihiaka mahare hoe: ''Mpamadika! mpamadika!''15Avy eo i Joiada mpisorogna nandidy ireo mpifehy an-jatony ijay teo amin'ny tafika, nagnano hoe: ''Avoahy eo an-daharana ijy. N'ija n'ija magnaraka an'ajy, die vonoy amin'ny sabatre ijy. '' Fa ny mpisorogna nijaka hoe: ''Aja abela hovonoina ao an-dragnon'i Yaveh ijy.'' 16Ka nanambotre an'ajy areo laha tonga teo amin'ilay toerana ijay fidiran'ny sôvaly ao an-kianjan'ny lapa ijy, ary teo no namonoana an'ajy.17Ary nagnano fanekena teo amin'i Yaveh sy ny mpanjaka ary ny vahôke i Joiada, ary teo amin'ny mpanjaka sy ny olo mandy koa, mba ho olon'i Yaveh areo. 18Ary ny olo abiaby teo amin'ny tany nenga agny amin'ny tragnon'i Bala ka nanimba an'ijany. Namotipotika ireo alitaran'i Bala sy ny sampiny vôsokitre areo, ary namono an'i Matana, ilay mpisorogn'i Bala teo alohan'ireo alitara areo. Ary Joiada mpisorogna nanendry ireo mpiambigna hifehy ny tempolin'i Yaveh.19Nindôsin'i Joiada nagnaraka an'ajy ny mpifehy an-jatony, ireo Karita, ny mpiambigna, ary ny olo abiaby teo amin'ny tany, ary niaraka nitondra ny mpanjaka nijotso avy tagny an-dragnon'i Yaveh areo, ka niditre tao an-dragnon'ny mpanjaka, miditre amin'ny lalagna eo am-bavahadin'ireo mpiambigna. Nangala ny toerany teo amin'ny seja fiandrianan'ny mpanjaka i Joasy. 20Ary nifaly ny olo abiaby teo amin'ny tany, ka nilamina ny tanàna tafaran'ny namonoana an'i Atalia tamin'ny sabatre tao an-dragnon'ny mpanjaka.21Fito taogna i Joasy no nanomboka nanjaka.
Chapter 12

1Tamin'ny fahafito toagna nanjakan'i Jeho, no nanomboke ny fanajakan'i Joasy; nanjaka nandritre ny efapolo taogna tao Jerosalema ijy. Zibia no agnaran'ny endriny, avy agny Beri-sheba. 2Nagnano ijay marina teo imason'i Yaveh i Joasy tamin'ny fotôgna abiaby, satria nampianatre an'ajy i Joiada mpisorogna. Kanefa ireo toerana avo tsy noravana.3 Mbola nagnano sorogna sy nagnoro ditin-kajo magnitre teo amin'ny toerana avo mandy ny vahôke.4Hoy i Joasy tamin'ireo mpisorogna hoe: '' Ny vola abiaby ijay nindôsina ho fanatitra masina tao an-dragnon'i Yaveh, die ny vola ijay notombagnan'ny olo kiraidraike- na ny vola nangonina tamin'ny fagnisam-bahôke ijany, na ny vola ajo tamin'ny voady manokagna, na ny vola nindôsin'ny olo tamin'ny fandrisihan'i Yaveh tao am-pon-dreo mba hagnome-5 die tokony ho resin'ireo mpisorogna ny vola avy amin'ny raike amin'ireo haren-dreo ary hagnamboarana ijay fahavoajana hita ao an-tempoly.''6fa tamin'ny fahatelo amby roapolo taogna nanjakan'i Joasy Mpanjaka die tsy nagnambôtre n'ino n'ino tao an-tempoly ireo mpisorogna. 7Ary nangaike an'i Joiada mpisorogna sy ireo mpisorogna hafa i Joasy mpanjaka; hoy ijy tamin-dreo hoe: ''Nagnino anareo no tsy nagnambôtre n'ino n'ino tao an-tempoly? Ankehitriny aja mangala vola amin'ny mpandoa hetra koa, fa reso ijay vôangogna mba hagnamboarana ny tempoly ary omeo an'ireo ijay tsy afaka magnano ny fagnamboarana ijany.'' 8Noho ijany die nagneky tsy hitaky ny vola amin'ny vahôke sy tsy hagnambôtre ny tempoly koa ireo mpisorogna.9Fa koja, nangala vata raike Joiada mpisorogna, nandôke ny sarogny, ary nametrake an'ijany teo akekin'ny alitara, teo ankavanan'ny fidirana ao amin'ny tragnon'i Yaveh. Ireo mpisorogna ijay niandry ny fidirana ao an-tempoly die nametrake ny vola abiaby ijay nindôsina ho an-dragnon'Yaveh tao amin'ijany. 10Isaky ny hitan-dreo fa be vola tao agnatin'ilay vata, die tonga ny mpanora-dalan'ny mpanjaka sy ny mpisorognabe ary nametrake ny vola tao agnaty kitapo ary magnisa ijany avy eo, ilay vola hita tao an-tempolin'i Yaveh.11Natolotran-dreo teo an-tagnan'ireo lelahy ijay nikarakara ny tempolin'i Yaveh ny vola ijay vôlanja. Nomen-dreo an'ireo mpandrafitre sy ireo mpagnambotre ijay niasa tao an-tempolin'i Yaveh ijany, 12ary ho an'ireo mpagnano tragno sy ireo mpikapoke vato, mba hividianana hajo sy vato vôkapa mba hagnamboarana ny tempolin'i Yaveh, sy ho an'ny raha ijay ilaina vangaina hagnamboarana ijany.13Fa ny vola nindôsina tao an-dragnon'i Yaveh die tsy nagnomejana hivangana lovia volafotsy, antsy, koveta, trompetra, na fanaka volafotsy na volamena ho an'ijany. 14Nomen-dreo an'ireo ijay nagnano ny asa fagnamboarana ilay tragnon'i Yaveh ijany vola ijany.15Fagnampin'ijany, tsy nangataka ilay vola nomena hanôvana fagnamboarana mba ho isan'ireo lelahy ijay nandray an'ijany areo ary nagnome an'ijany ho an'ireo mpiasa, satria marina ireo lelahy ireo. 16Fa ny vola ho an'ny fanatitra nohon'ny heloke sy ny fanatitra nohon'ny ota die tsy nindôsina tao an-tempolin'i Yaveh, satria an'ireo mpisorogna ijany.17y nanafika sy niady tamin'i Gata i Hazaela mpanjakan'i Syria, ary nahajo an'ijany. Avy eo die nitodike hanafike an'i Jerosalema i Hazaela. 18Nalain'i Joasy mpanjakan'i Joda ny raha abiaby ijay natokagn'i Josafata sy Jehorama ary Ahazia, ireo rajambeny, ireo mpanjakan'i Joda, sy ireo volamena hita tao amin'ny efitra fitehirijagna tao an-dragnon'i Yaveh sy ny mpanjaka ary nandefa ireo tagny amin'i Hazaela mpanjakan'i Syria. Die lasa niala tao Jerosalema i Hazaela.19Raha ny amin'ireo raharaha mahakasika an'i Joasy, ijay abiaby nataony, moa tsy efa vôsoratre ao amin'ny bokin'ny tantaran'ireo mpanjakan'i Joada ve ijany? 20Nitsangagna ireo mpanompony ary niara-nagnano tetike; notafihin-dreo tagny Beti-milo i Joasy, agny amin'ny lalana mijotso menga agny Sila.21 Notafihan'i Jozakara janaka lahin'i Simata, sy Jozabada janaka lahin'i Somera, mpanompony ijy ka maty. Nalevin-dreo niaraka tamin'ireo rajambeny tao amin'ny tanànan'i Davida i Joasy, ary Amazia, janagny lahy, no lasa mpanjaka teo amin'ny toerany.
Chapter 13

1Tamin'ny taogna fahatelo amby roapolo naha -mpanjakan'i Joda an'i Joasy janaka lahin'i Ahazia, no nanimboke nanjaka tao Israely tagny Samaria i Joahaza; fito ambin'ny folo taogna ijy no nanjaka. 2Nagnano ijay ratsy teo imason'i Yaveh ijy ary nagnaraka ireo fahotan'i Jeroboama janaka lahin'i Nebata, ijay nahatonga an'Israely hanota; ary tsy niala tamin'ijany i Joahaza.3Nirehitre tamin'Israely ny havigniran'i Yaveh, ary nanolotre an-dreo tegny an-tagnan'i Hazaela mpanjakan'i Syria fehijay Ijy ary tegne an-tagnan'i Beni-hadada janaka lahin'i Hazaela. 4Ka die niangavy an'i Yaveh i Joahaza, ary niteno an'ajy Ijy satria hitany ny fampohoriana ny Israely, ny fomba nampahorian'ny mpanjakan'i Syria an-dreo. 5Ka nomen' Yaveh mpamonjy ny Israely, ary nitsôke avy tamin'ny tagnan'ireo Syria an-dreo , ary ny janak'Israely nanomboke nitoetre tagny amin'ireo fonegnany arak'ijay nanagnan-dreo tagny aloha.6Na ijany aja anefa, die tsy niala tamin'ireo fahotan'ny ankohonan'ireo Jeroboama areo, ijay nahatonga ny Israely hanota, ary nanohy an'ijany areo, ary ny baon'Aseraha nijanogna tagny Samaria.7 Ka nandao an'i Johaza ireo Syriana niaraka tamin'ny mpideba sôvaly dimampolo, kalesy folo, ary miaramila an-kongotre iray aligna fotsiny, fa ny mpanjakan'i Syria efa nandrava an-dreo, ary nagnanôvan-dreo hôtran'ny akofa amin'ny fotôam-pikororoam-bary.8Laha ny amin'ireo raha hafa mahakasika an'i Joahaza, sy ijay nataony abiaby ary ny fahefany, moa tsy efa vôsoratre ao amin'ny bokin'ny tantaran'ireo mpanjakan'Israely ve ijany?9 Ka nodimandry tagny amin'ny rajagny i Joahaza, ary nandevigna an'ajy tagny Samaria areo. Die i Joasy janagny lahy no lasa mpanjaka tamin'ny toerany.10min'ny taogna fahafito amby telopolo naha-mpanjakan'i Joda an'i Joasy, ny fanjakan'i Joasy janaka lahin'i Joahaza die nanomboke teo amin'Israely tagny Samaria; enina ambin'ny folo taogna no nanjakany. 11Tsy mbola niala tamin'ireo fahotan'i Jeroboama janaka lahin'i Nebata ijy, ijay nampahatonga an'Israely hanota, kanefa tagny amin'iregne no nandehanany12ha ny amin'ireo raha hafa mahakasika an'i Joasy, sy ijay nataony abiaby, ary ny heriny tamin'ijay niadiany tmin'i Amazia mpanjakan'i Joda, moa tsy efa vôsoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ireo mpanjakan'ny Israely ve ijany?13 Die nodimandry tagny amin'ireo rajambeny i Joasy, ary i Jeroboama no nidoboke teo amin'ny seja fiandrianagny. Die nalevigna niaraka tamin'ireo mpanjaka tagny Samaria i Joasy.14Ary narary nohon'ny aretigna raike ijay nahafaty an'ajy i Elisa tatoy afara, ka nijotso tagny amin'ajy i Joasy mpanjakan'Israely ary nitagny teo amin'ajy. Hoy ijy hoe: Ry iabako, ry iabako, ireo kalesin'ny Israely sy ny mpideba sôvaly no mangala anao!'' 15Die hoy i Elisa tamin'ajy: Mangala tsipika ary jana-tsipika maromaro'' Ka die nangala tsipika sy zana-tsipika maromaro i Joasy.16 Hoy i Elisa tamin'ny mpanjakan'Israely hoe: ''Atôvy eo amin'ilay tsipika ny tagnanao, ''Ka nataony teo amin'ijany ny tagnany. Avy eo napetrak'i Elisa teo amin'ny tagnan'ny mpanjaka ny tagnany.17Hoy i Elisa hoe: ''Sokafy miantsignana ny hôke.'' Die nosokafany ijany. Die hoy i Elisa hoe: ''Tifiro'', ka nitifitre ijy. Die hoy i Elisa: ''Ijany no jana-tsipikam-pandresen'i Yaveh, jana-tsipikam-pandresen'i Yaveh teo amin'i Syria, fa hanafika ireo Syriana agny Afeka anao mandra-pahalevognanao an-dreo. 18Die hoy i Elisa hoe: '' Reso ireo jana-tsipika,'' ka noresin'i Joasy ireo. Die hoy ijy tamin'ny mpanjakan'Israely hoe: ''Kapohy amin'iregne ny tany,'' ka nikapoka ny tany intelo ijy, ary nijanogna avy eo. 19Kanefa vignitra tamin'ajy ilay lelahin'Andriamanitra ka nagnano hoe: ''Tokony indimy na in'enina no namelejanao ny tany. Avy eo die tokony nanafika an'i Syria anao mandrapaharinganao an'ijany, nefa ankehitriny intelo mandy anao no hanafika an'i Syria.''20Avy eo die maty i Elisa, ary nandevigna an'ajy areo. Ary nisy andiana Moabita nanafika ny tany tamin'ny fiatombohan'ny taogna. 21Laha nadevigna ilay lelahy areo, die nahita andiana Moabita raike ijy, ka nanipiy ilay vatagna tao am-pasagn'i Elisa. Laha vantany vao nahakasika ny tôlagn'i Elisa ny vatagna mangatsiakan'ilay lelahy, die velogna indraike ijy ary nitsangagna.22mpahory ireo Israely tamin'ny andron'i Joahaza mpanjaka abiaby i Hazaela mpanjakan'i Syria. 23Nefa namindra fo ny Israely i Yaveh, ka nangoraka an-dreo ary nihantra an-dreo nohon'ny fanekem-pihavanana nataony tamin'i Abrahama, Isaka, ary Jakoba. Ka tsy nandringagna an-dreo i Yaveh, ary mbola tsy nandrôke an-dreo tamin'ny fagnatrehany Ijy. 24Maty i Hazaela mpanjakan'i Syria, ka i Beni-hadada janagny lahy no lasa mpanjaka teo amin'ny toerany. 25Nampody ireo tanàna ijay nalaina tamin'i Joahaza iabany tamin'ny ady tamin'i Beni-hadada janak'i Hazaela i Joasy janak'i Hazaela. Intelo i Joasy no nanafika an'ajy, ary nangala ireo tanànan'Israely ireo indraike ijy.
Chapter 14

1tamin'ny faharoa taogna naha-mpanjaka an'i Joasy janaka lahin'i Joahaza, mpanjakan'Israely, die nanomboke nanjaka i Amazia janak'i Joasy, mpanjakan'i Joda. 2Dimy amby roapolo taogna ijy no nanomboka nanjaka; nanjaka sivy amby roapolo taogna tao Jerosalema ijy. ny agnaran'ny endriny die i Joadana, avy agny Jerosalema. 3Nagnano ijay marina teo imason'i Yaveh ijy, fa tsy hôtran'i Davida iabany. Ijy die nagnano ny raha abiaby ijay nataon'i Joasy, iabany.4anefa tsy nalaina ireo toerana avo. Nanohy nagnano sorona sy nagnoro ditin-kajo magnitre tegne amin'ny toerana avo ireo olo. 5Ary laha vantany vao tafapetraka tsara ny fitondrany, die novonoiny ireo mpanompo ijay namono an'i abany, die ny mpanjaka.6Fa mbola tsy novonoiny ny janak'ireo mpamono olo, fa nagnano araka ny vôsoratra tao amin'ny lalàna tao amin'ny bokin'i Mosesy koja ijy, araka ny efa nandidian'i Yaveh, nagnano hoe: ''Tsy tokony ho vonoina nohon'ny fahotan'ireo janagny ireo ray, na ho voina nohon'ny fahotan'ireo ray aman-dreny ireo janagny. Fa ny olo kiraidraike koja die tokony ho voina nohon'ny fahotany manokagna.''7 Namono miaramila Edomita iray aligna tao amin'ny lohasahan-tsira ijy; nalainy tagny agn'ady mandy koa i Sela, ary nangehany hoe; Joktela, ijay fangehany an'ajy mandraka ankehitriny8Ary nandefa mpitondra hafatre ho agny amin'i Joasy janaka lahin'i Joahaza, janaka lahin'i Jeho, mpanjakan'Israely i Amazia nagnano hoe: ''Avia, andao antsena hifagnandrigna agny agn'ady.'' 9Kanefa Joasy mpanjakan'Israely die nandefa mpitondra hafatre hipody tagny Amazia mpanjakan'i Joda, nagnano hoe: ''Ny tsilo ijay tagny Libanona die nampitondra hafatre ho an'ny sedera tao Libanona, nagnano hoe: 'Omeo ho vadin'ny janako lahy ny janakao viavy,' kanefa nisy bibidia nandalo ary nagnitsaka ilay tsilo. 10Efa nanafika an'i Edoma tokôtre anao, efa nanandratre anao ny fonao. Mireharehà amin'ny fandresenao, kanefa mijanogna ao an-dragno, fa nagnino anao no tokony hagnakorotagna sy handavo ny tegnanao die anao sy i Joda niarake taminao?11Fa tsy niteno i Amazia. Ka nanafika i joasy mpanjakan'Israely ary nifagnatrike tao Bety-smesy ijy sy Amazia, mpanjakan'i Joda, ijay an'i Joda. 12Resin'Israely i Joda, ary nilefa ny lelahy abiaby.13Nosamborin'i Joasy mpanjakan'Israely tao Beti-semesy i Amazia mpanjakan'i Joda janak'i Joasy janaka lahin'i Ahazia. Tonga tao Jerosalema ijy ary nandrodagna ny rindrigna nanomboke teo amin'ny vavahadin'i Efraima lahatagny amin'ny vavahady Zorony, efajato hakiho ny halavirany. 14Nalaina aby koa ny volamena sy ny volafotsy abiaby, ireo raha abiaby hita tao an-dragnon'i Yaveh, sy ireo raha manan-danja abiaby tao amin'ny lapan'ny mpanjaka, niaraka tamin'ireo takalon'aigna mandy koa, ary nipody tagny Samaria ijy.15Raha ny amin'ireo raha hafa mahakasika an'i Joasy, ijay abiaby nataony, ny fahefany, ary ny fomba niadiany tamin'i Amazia mpanjakan'i Joda, moa tsy efa vôsoratre ao agnatin'ny bokin'ny tantaran'ireo mpanjakan'Israely ve ijany? 16Ary nodimandry niarake tamin'ireo rajambeny i Joasy ary nalevigna tagny Samaria niaraka tamin'ireo mpanjakan'Israely, ary Jeroboama, janagny lahy no lasa mpanjaka nandimby an'ajy.17azia janak'i Joasy, mpanjakan'i Joda, die niaigna dimy ambin'ny folo taogna tafaran'ny nahafatesan'i Joasy, janak'i Joahaza, mpanjakan'Israely. 18Laha ny amin'ireo raha hafa mahakasika an'i Amazia, moa tsy efa vôsoratre ao agnatin'ny tantaran'ireo mpanjakan'i Joda ve ijany? 19Nagnano tetike hanoherana an'i Amazia tao Jerosalema areo, ary nilefa tagny Lakisy ijy. Nilefa tagny Lakisy ijy, kanefa nandefa lelahy hagnaraka an'ajy tagny Lakisy areo ary namono an'ajy tagny.20Nindôsin'ireo nipody tamin'ny sôvaly ijy, ary nalevigna niaraka tamin'ireo rajambeny tao amin'ny tanànan'i Davida.21 Ny vahôkan'i Joda abiaby die nangala an'i Azaria, ijay enina ambin'ny folo taogna, ary nagnano an'ajy ho mpanjaka teo amin'ny toeran'i Amazia iabany. 22Azaria no nagnorigna indraike an'i Elota ary nagnampody ijany tao Joda, ary nodimandry niaraka tamin'ireo rajambeny i Amazia.23Tamin'ny fahadimy ambin'ny folo taogna naha-mpanjakan'i Joda, no nanombohan'i Jeroboama janaka lahin'i Joasy mpanjakan'Israely nanjaka tao Samaria; nanjaka nandritre ny raike amby efapolo taogna ijy. 24Nagnano ratsy teo imason'i Yaveh ijy. Tsy niala tamin'ireo fahotana nataon'i Jeroboama janaka lahin'i Nebata ijy, ijay nahatonga ny Israely hanota. 25Nagnapody ny sisin-tanin'Israely nanomboka teo Lebo Hamata lahatagny amin'ny Ranomasin'ny Arabà ijy araka ny jakan'i Yaveh, ilay Andriamanitr'Israely, ijy efa noresahany tamin'i Jona mpanompony janak'i Amitahy, ilay mpaminany, avy agny Gata-hefara.26 hitan'i Yaveh ny fijalian'Israely, ijay tena nangidy tamin'ny kiraidraike, na ny andevo na ny afaka, ary tsy nisy mpagnavotre ny Israely. 27Ka nijaka i Yaveh fa tsy hanimba ny agnaran'Israely eo amin'ny ambany lanitra Ijy, fa novonjeny tamin'ny alalagn'ny tagnan'i Jeroboama janak'i Joasy koja areo28Laha ny amin'ireo raha hafa mahakasika an'i Jeroboama, ireo abiaby ijay nataony, ny fahefany, ny niadiany sy nagnampodianany an'i Damaskosy sy Hamata, ijay an'i Joda, ho an'i Israely, moa tsy efa vôsoratre ao amin'ny bokin'ny tantaran'ireo mpanjakan'Israely ve ijany?29 Nodimandry niaraka tamin'ireo rajambeny i Jeroboama, niaraka tamin'ireo mpanjakan'Israely, ary i Zakaria janagny lahy no lasa mpanjaka teo amin'ny toerany.
Chapter 15

1Tamin'ny taogna fahafito amby roapolo nanjakan'i Jeroboama mpanjakan'Israely, no nanomboka nanjaka i Azaria janak'i Amazia mpanjakan'i Joda. 2Enina ambin'ny folo taogna i Azaria no nanomboka nanjaka, ary nanjaka tao Jerosalema nandritra ny roa amby dimampolo taogna ijy. Jekolia no agnaran'ny endriny, ary avy agny Jerosalema ijy. 3Nagnano ijay marina teo imason'i Yaveh ijy, araka ijay nataon'i amazia iabany.4Na die ijany aja die tsy mba nalaina ireo toerana avo. Mbola nagnano sorona sy nagnoro ditin-kajo magnitre teo amin'ireo toerana avo mandy ny olo .5 Nampahory ny mpanjaka i Yaveh hany ka boka lahatamin'ny andro nahafatesany ijy ary nidoboke tao amin'ny tragno misara-toerana. Jotama, janaka lahin'ny ankohonana ary nanapaka teo amin'ny vahôke tao amin'ny tany.6Ary ny amin'ireo raharaha hafa mahakasika an'i Azaria, sy ijay abiaby nataony, moa tsy efa vôsoratre ao amin'ny bokin'ny tantaran'ireo mpanjakan'i Joda ve ijany? 7Ka nodimandry niraka tamin'ireo rajambeny i Azaria, nalevin-dreo tagny amin'ny tanànan'i Davida niaraka tamin'ireo rajambeny ijy. I jotama, janagny lahy, no lasa mpanjaka nandimby ny toerany.8Tamin'ny fahavalo amby telopolo taogna nanjakan'i Azaria mpanjakan'i Joda, die i Zakaria janak'i Jeroboama no nanjaka teo amin'Israely tagny Samaria nandritre ny enim-bolagna. 9Nagnano ijay ratsy teo imason'i Yaveh ijy, hôtran'ny nataon'ireo rajagny. tsy niala tamin'ny fahotan'i Jeroboama janak'i Nebata, ijay nahatonga ny Israely nanota ijy.10Nikononkonogna hanohitre an'i Zakaria i Saloma janak'i Jabesy, nanafike an'ajy tagny Ibleama, ary namono an'ajy. Die lasa mpanjaka nandimby ny toerany ijy. 11Ny amin'ny raharaha hafa mahakasika an'i Zakaria, die vôsoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ireo mpanjakan'Israely ireo. 12Ijao no jakan'i Yaveh ijay nambarany tamin'i Jeho, magnano hoe: ''Hidoboke eo amin'ny seja fiandrianan'israely lahatamin'ny taranake fahefatre mandimby ny taranakao. '' Die nibôke ijany.13Nanomboke nanjaka i Saloma janak'i jabesy tamin'ny fahasivy amby telopolo taogna nanjakan'i Azaria mpanjakan'i Joda, ary nanjaka iray volagna fotsiny tao Samaria ijy. 14Ary niakatre avy agny Tirza ho agny Samaria i Menahema janak'i Gady. Tagny no nanafihany an'i Saloma janak'i Jabesy, tao Samaria. Nahafaty an'ajy ijy ka tonga mpanjaka nandimby ny toerany.15Ny amin'ny raharaha hafa mahakasika an'i Saloma sy ny fikononkonognana narafiny, die vôsoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ireo mpanjakan'Israely ijany. 16Die nanafika an'i Tifsa sy ireo abiaby teo, sy ny sisin-tany nagnodidigna an'i Tirza i Menahema, satria tsy novohain-dreo ho an'ajy ny tanàna. ka notafihany ijany, ary notatahany aby koa ireo viavy betroke tao amin'ijany tanàna ijany.17min'ny fahasivy amby telopolo taogna nanjakan'i Azaria mpanjakan'i Joda, die nanomboka nanjaka teo amin'Israely i Menahema janak'i Gady; nanjaka nandritre ny folo taogna tao Samaria ijy.18 Nagnano ratsy teo imason'i Yaveh ijy. Nandritra ny androm-piaignany, die tsy niala tamin'y fahotan'i Jeroboama janak'i Nebata ijy, ijay nahatonga ny Israely nanaota.19Ary tonga hanohitre ny tany i Pola mpanjakan'i Asyria, ary nomen'i Menahema talenta volafotsy arivo i Pola, mba homba an'ajy ny fanohagnan'i Pola ka hampatanjaka ny fanjakan'Israely teo an-tagnany. 20Nalain'i Menahema avy tamin'ny Israely tamin'ny alalagn'ny fitakiana ny olo manan-karena kiraidraike mba handoa sekely volafotsy dimampolo amin'ajy mba homena ny mpanjakan'i Asyria io vola io. Ka nitodi-doha nipody ny mpanjakan'i Asyria ary tsy nioetre tao amin'ny tany.21ha ny amin'ireo raharaha hafa mahakasika an'i Menahema, sy ireo abiaby nataony, moa tsy efa vôsoratre ao amin'ny bokin'ny tantaran'ireo mpanjakan'israely ve ijany? 22Ary nodimandry niaraka tamin'ireo rajambeny i Menahema, ka Pekahia janagny no lasa mpanjaka nandimby ny toerany.23y tamin'ny faha-dimampolo taogna nanjakan'i Azaria mpanjakan'i Joda, no nanomboka nanjaka teo amin'Israely tao Samaria i Pekahia janak'i Menahema; nanjaka nandritre ny roe taogna ijy.24 Nagnano ijay ratsy teo imason'i Yaveh ijy. Tsy mba nagnary ny fahotan'i Jeroboama janak'i Nebata, ijay nahatonga ny Israely nanota ijy.25Nanagna lefitre raike nangehana hoe: Peka janak'i Remalia i Pekahia, ijay nikononkonogna hanohitra an'ajy. Niarake tamin'ireo dimampolo lahin'i Gileada, die namono an'i Pekahia sy Argoba ary Aria tagny Samaria i Peka, tao amin'ny tragno mimandan'ny lapan'ny mpanjaka. Novonoin'i Peka i Pekahia ary ijy no lasa mpanjaka nandimby ny toerany. 26Laha ny amin'ny raharaha hafa mahakasika an'i Pekahia, sy ireo abiaby nataony, die efa vôsoratre ao amin'ny bokin'ny mpanjakan'Israely ijany.27Tamin'ny faharoa amby dimampolo taogna nanjakan'i Azaria mpanjakan'i Joda, no nanombohan'i Peka janak'i Remalia nanjaka teo amin'Israely tao Samaria; nanjaka nandritre ny roapolo taogna ijy. 28Nagnano ijay ratsy teo imason'i Yaveh ijy. Tsy niala tamin'ny fahotan'i Jeroboama janak'i Nebata, ijay nahatonga ny Israely nanota ijy.29Tamin'ny andron'i Peka mpanjakan'Isrely, die tonga ka nnangala an'Iona, Abela-beti-maka, Janoa, Kadesy, Hazora, GIleada, Galilia, ary ny tanin'i Naftaly abiaby i Tiglato-pilesera mpanjakan'i Asyria. Ary nitondra ny vahôke nenga agny Asyria ijy. 30Koa die nandrafitre fikononkonognana nanohitre an'i Peka janak'i Remalia i Hosea janak'i Ela. Nanafika an'ajy ka nahafaty an'ajy. Die tonga mpanjaka nandimby ny toerany ijy, tamin'ny faha roapolo taogna nanjakan'i Jotama janak'i Ozia.31 Laha ny amin'ny raharaha hafa mahakasika an'i Peka, sy ijay abiaby nataony, die vôsoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ireo mpanjakan'Israely ijany32Tamin'ny taogna faharoa nanjakan'i Peka janak'i Remalia, mpanjakan'Israely, die nanomboka nanjaka i Jotama janak'i Azaria, mpanjakan'i Joda. 33Dimy amby roapolo taogna ijy fony nanomboka nanjaka; nanjaka nandritre ny enina ambin'ny folo taogna tao Jerosalema ijy. Jerosa no agnaran'ny endriny; janaka vavin'i Zadoka ijy.34Nagnano ijay marina teo imason'i Yaveh i Jotama. Nagnaraka ny ohatre abiaby jay nataon'i Azaria iabany ijy.35 Kanefa tsy mba nalainy ireo fitoerana avo. Mbola nagnano sorona sy nagnoro ditin-kajo magnitre teo amin'ireo toerana avo mandy ny vahôke. Natsangan'i Jotama ny vavahady ambonin'i Yaveh. 36Laha ny amin'ireo raharaha hafa mahakasike an'i Jotama, sy ijay abiaby nataony, moa tsy efa vôsoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ireo mpanjakan'i Joda ve ijany?37 Tamin'ijany andro ijany Yaveh die nanomboka nagniraka an'i Rezina mpanjakan'i Arama, sy Peka janak'i Remalia, hanohitre an'i Joda. 38Nodimandry niaraka tamin'ireo rajambeny i Jotama ary nilevigna niaraka tamin'ireo rajambeny tao amin'ny tanànan'i Davida, rajagny. Ary i Ahaza, janagny lahy, no lasa mpanjaka nandimby ny toerany.
Chapter 16

1amin'ny fahafito ambin'ny folo taogna nanjakan'i Peka janak'i Remalia, no nanomboka nanjaka i Ahaja janak'i Jotama mpanjakan'i Joda. 2Roapolo taogna i Ahaza no nanomboka nanjaka, nanjaka nandritre ny fito ambin'ny folo taogna tao Jerosalema ijy. Tsy nagnano ijay marina teo imason'i Yaveh andriamaniny, hôtrin'ny nataon'i Davida rajambeny ijy.3a koja, nagnaraka ny lalagn'ireo mpanjakan'Israely ijy; nataony tao agnaty afo ho fanatira orôna ny janagny lahy, ho fagnarahana ireo fampianarana ratsin'ireo firenena, tsy efa noroahin'i Yaveh teo alohan'ny vahôkan'Israely. 4Nanolotra fanatitra ijy sady nagnoro ditin-kajo magnitra tagny amin'ireo toerana avo, tegne amin'ireo tany ambo, ary tegne ambanin'ny hajo metso abiaby.5ry Rezina, mpanjakan'i Syria sy Peka janak'i Remalia, mpanjakan'Israely die niakatra mba hanafika an'i Jerosalema. Nagnano fahirano an'i Ahaza areo, nefa tsy naharesy an'ajy areo. 6Tamin'ijany fotôgna ijany, i Rezina mpanjakan'i Syria die nipody nangala an'i Elota ho an'i Syria ary nandrôke ireo olon'i Joda hiala an'i Elota. Avy eo die nenga agny Elota ireo Syriana agny amin'ijay efa nonegnan-dreo mandraka androany.7Ka nandefa mpitondra hafatre ho agny amin'ny Tiglato-pilesera mpanjakan'i Asyria i Ahaza hoe: ''Mpanomponao iaho sady janakao. ''Mitsangana ary vonjeo eo amin'ny tagnan'ny mpanjakan'i Syria sy tagnan'ny mpanjakan'Israely, ijay efa nanafika an'ahy iaho. 8Die nalain'i Ahaza ny volafotsy sy ny volamena ijay hitany tao an-dragnon'i Yaveh sy teo amin'ireo harenan'ny lapan'ny mpanjaka ary nalefany ho fagnomejana ho an'ny mpanjakan'i Asyria ijany. 9Die niteno an'ajy ny mpanjakan'i Asyria, ary niakatre nanohitra an'i Damaskosy ny mpanjakan'i Asyria, nandresy an'ijany sy nangala ireo vahôke ho gadra ho an'i Kira. Novonoiny mandy koa i Rezina mpanjakan'i Syria.10ndeha tagny Damaskosy i Ahaza mpanjaka mba hihaogna amin'i Tiglato-pilesera mpanjakan'i Asyria. Nahita alitara raike tao Damaskosy ijy. Nandefa ny modely sy ny sarin'ny alitara nary ny endriky ny asa ilaina abiaby tagny amin'i Oria mpisorogna ijy. 11Oria mpisorogna die nagnambôtre alitara mitovy amin'ireo firafitre efa nalefan'i Ahaza mpanjaka avy agny Damaskosy. Novitainy talohan'ny nipodianan'i Ahaza avy agny Damaskosy ijany. 12Laha efa tonga avy agny Damaskosy ny mpanjaka die nahita ny alitara; nagnatogna ny alitara ny mpanjaka sady nagnatitra fanatitra teo amin'ijany.13Nagnao fanatitra orôna sy fanatitra vary ijy, ary nandrarake ny fanatiny finogna sy namafy ra avy amin'ny fanati-pihavanany teo amin'ny alitara. 14Ny alitara varahigna ijay teo ankatrehan'i Yaveh- die nalainy teo alohan'ny tempoly, avy teo agnelagnelan'ny alitarany sy ny tempolin'i Yaveh ary nataony teo amin'ny faritra avaratry ny alitarany ijany.15Avy eo die nandidy an'i Oria mpisorogna i Ahaza mpanjaka, nagnano hoe: ''eo ambonin'ny alitara lehibe no hagnorôna ny fanatitra orôna ny maraigna ary ny tsondrognandro die fanatitra vary, ary ireo fanatitra orôn'ny mpanjaka sy fanatitra vary, miaraka amin'ireo fanatitra orôn'ny vahôkan'ny tany abiaby, sy ireo fanatitra vary ary ireo fanatitra finognan-dreo. Afafajo eo ambonin'ijany ny ra abiaby avy amin'ny sorona. Fa ny alitara varahigna die ho an'ahy mba ho fangalana torohevitre. ''16 Die nagnano raha ijay nandidian'i Ahaza mpanjaka an'ajy i Oria mpisorogna.17y eo die nalain'i ahaza mpanjaka teo amin'ny tsanganagna ajo afindra ireo takelake sy ireo koveta; najotsony mandy koa ny koveta teo amin'ny aomby varahigna ijay teo ambanin'ijany ary nadoboke teo amin'ny lampivato ijany.18 Nohon'ny mpanjakan'i Asyria, die nalainy ireo fandrakofana ho an'ny Sabata ijay efa namboarin-dreo tao an-tempoly, miarake amin'ny fidiran'ny mpanjaka teo ivelagn'ny tempolin'i Yaveh.19Laha ny raharaha hafa mahakasike an'i Ahaza sy ijay nataony, moa tsy efa vôsoratre ao agnatin'ny bokin'ny tantaran'ireo mpanjakan'i Joda ve ijany?20 Nodimandry sy nalevigna niaraka tamin'ireo razagny tao an-tanànan'i Davida i Ahaza? lasa mpanjaka nandimby an'ajy i Hezekia janagny lahy.
Chapter 17

1amin'ny taogna faharoa ambin'ny folo nanjakan'i Ahaza mpanjakan'i Joda, no nanomboka ny fanjakan'i Hosea janak'i Elaha. Nanjaka tao Samaria nagnerana ny Israely nandritra ny sivy taogna ijy.2 Nagnano ijay ratsy teo imason'i Yaveh ijy, tsy hôtran'ireo mpanjakan'Israely ijay teo alohany. 3Nanafike an'ajy i Salmanesera mpanjakan'i Asyria, ka tonga mpanompony i Hosea ary nitondra fagnomejam-boninahitre ho an'ajy.4Ary hitan'ny mpanjakan'i Asyria fa nitetika hanohitra azy i Hosea, satria nandefa mpitondra hafatre nenga agny amin'ny So mpanjakan'i Egypta i Hosea; ary koa, tsy mba nanolotra fagnomezam-boninahitra ho an'ny mpanjakan'i Asyria ijy, hôtran'ny nataony isan-taona. Ka nihidin'ny mpanjakan'i Asyria ijy ary nofatorany tagny am-ponja.5 Avy eo die nanafika nagnerana ny tany abiaby ny mpanjakan'i Asyria, ary nanafika an'i Samaria sy nagnano fahirano an'ijany nandritre ny telo taogna. 6Tamin'ny taogna fahasivy naha-mpanjaka an'i Hosea, die nangala an'i Samaria sy nitondra ny Israely lavitra an'i Asyria ny mpanjakan'i Asyria. Nametrake an-dreo tagny Hala ijy, tao amin'ny Habora Onin'i Gozana, ary tagny amin'ny tanànan'ny Mediana.7Nitranga ijany fahababoana ijany satria nanota tamin'i Yaveh Andriamanitran-dreo ny vahôkan'Israely, ijay nitondra an-dreo niakatre avy tagny amin'ny tany Egypta, avy teo ambany fifehejan'i Farao mpanjakan'i Egypta. Efa nanompo andriamani-kafa ireo vahôke8 ka nandeha tamin'ny fanaon'ireo firenena ijay efa naringan'i Yaveh teo ankatrehan'ireo janak'Israely, sy tamin'ny fanaon'ireo mpanjakan'Israely ijay efa nataon-dreo.9Ny janak'Israely- die nagnano ireo raha ijay tsy marina an-tsokosoko- hanohitre an-i Yaveh Andriamanitran-dreo. Nanangagna fitoerana avo ho an'ajy magnerana an'ireo tanànany areo, lahatagny amin'ny tilikambo fiambenana ka lahatagny amin'ny manda fiarovana. 10Nanangagna tsangam-bato sy baon'Aseraha tegne amin'ny tany ambo avo abiaby sy tagny ambanin'ny hajo mentso abiaby mandy koa areo.11Tegne areo no nagnoro ditin-kajo magnitre tamin'ireo fitoerana avo abiaby, hôtran'ny nataon'ireo firenena teo ankatrehan-dreo. Nagnatanteraka raha ratsy ireo Israelita mba hahatonga an'i Yaveh ho vignitre; 12areo die nanompo sampy, momba ijay efa nojakain'i Yaveh an-dreo hoe: ''Tsy hagnano ijany raha ijany anareo.''13Nefa Yaveh efa nagnambara tamin'Israely sy tamin'i Joda tamin'ny alalagn'ny mpaminany kiraidraike sy ny mpahita kiraidraike, nagnano hoe: ''Mialà amin'ireo fomba ratsinareo ka tandrovy ireo didiko sy ireo lalàko, ary meteja hagnarake ny lalàna abiaby nandidiako ireo rajagnareo, ary ijay nirahiko ho aminareo tamin'ny alalagn'ireo mpaminany mpanompoko.14Kanefa tsy niteno areo; fa koja mafy loha tokôtre ireo rajagny ijay natoky an'i Yaveh Andriamanitran-dreo. 15Nolavin-dreo ny lalàny sy ny fanekem-pihavanana ijay nataony tamin'ireo rajagny, ary ireo didy fanekena ijay nomeny an-dreo. Nagnaraka fomba tsy nisy nilana an'ajy areo ary ny tegnan-dreo mihitsy no lasa tsy nisy nilana an'ajy. Nagnaraka ireo firenena mpanompo sampy ijay nagnodidigna an'ajy areo, die ireo ijay nandidian'i Yaveh an-dreo tsy ho tahafina.16Areo die nagnano tsinontsino ireo didy abiabin'i Yaveh Andriamanitran-dreo. Nagnambôtre sarin-janak'aomby roe vita tamin'ny vy areo mba ho tompoina. Nagnambôtre baon'Aseraha areo, ary nanompo an'i Bala sy ireo kintagna abiaby tegne an-danitra. 17Nalefan-dreo tao agnaty afo ireo janaka lahy sy janaka vavin-dreo, nampiasa ireo sikidy sy famosaviana, nivarotre ny tegnan-dreo mba hagnano ijay ratsy teo imason'i Yaveh, sy nahatonga an'Ajy ho vignitra. 18Noho ijany die vignitra mafy tamin'Israely i Yaveh ka nangala an-dreo tsy ho eo imasony. Tsy nisy na raike aja tafajanogna afa-tsy ny fokon'i Joda rerika mandy.19Na die i Joda aja tsy nahatagna ny didin'i Yaveh Andriamanitran-dreo, fa koja nagnaraka fanompoan-tsampy nitovy tamin'ijay narahin'Israely. 20Noho ijany die nolavin'i Yaveh aby koa ireo taranak'Israely abiaby; nampahoriany areo ary natolony tegne an-tagnan'ireo ijay mpambabo ny fanagnan-dreo, mandra-pitsonikan-dreo tsy ho eo imasony.21Nangala ny Israely tamin'ny fitohijan-taranak'i Davida Ijy, ary nametraka an'i Jeroboama janaka lahin'i Nebata mpanjaka. Nitarika ny israely hiala tamin'ny fagnarahana an' Yaveh i Jeroboama ary nampagnano fahotana lehibe an-dreo. 22Nagnaraka ny fahotan'i Jeroboama abiaby ny janak'Israely ary tsy niala tamin'iregne areo, 23ka nalain'Yaveh teo imason'Israely, araka ny nojakainy tamin'ireo mpaminany mpanompony abiaby fa hataony. Die nindôsiny lavitre ivelan'ny tanin-dreo tagny Asyria ny Israely, ary mbola agny fahijay hatramin'ijao andro ijao.24Nitondra vahôke avy tagny Babylona sy avy tagny Kota, sy avy tagny Ava, sy avy tagny Hamata sy Sefarivaima ny mpanjakan'i Asyria, ka nametraka an-dreo tagny amin'ny tanànan'i Samaria teo amin'ny toeran'ny Zanak'Israely. Die nahajo an'i Samaria iregne ka nonigna tao amin'ny tanànany. 25Ary tamin'ny fiantombohan'ny fonegnan-dreo tagny die tsy nagnome voninahitra an'i Yaveh areo. Koa nandefa liogna tamin-dreo ijay namono ny saragny tamin'ijy ireo i Yaveh.26 Die nijaka tamin'ny mpanjakan'i Asyria areo, nagnano hoe: ''Ireo firenena ijay nindôsinao sy napetrakao tato amin'ny tanànan'i Samaria die tsy mahafantatre ireo fomba takian'ny Andriamanitry ny tany. Ka nandefa liogna teo amin-dreo areo ijy, ary, indro, mamono ny olo ireo liogna satria tsy mahalala ireo fomba takian'ny andriamanitry ny tany areo.27Ary ny mpanjakan'i Asyria nibeko, nagnano hoe: ''Alay ny raike amin'ireo mpisorogna ijay nindôsinareo avy tagny, ka ôke ijy handeha sy honigna agny, ary ôke ijy hampianatre an-dreo ny fomba ijay takian'ny andriamanitry ny tany.'' 28Koa tonga nonigna tany Betela ny raike tamin'ireo mpisorogna ijay avy nindôsin-dreo avy tagny Samaria; nampianatre an'ajy ireo fomba tokony hideran-dreo an'i Yaveh ijy.29Nagnano andriamanitra ho an'ajy aby ireo foko kiraidraike, ka nametrake an'ajy iregne tegne amin'ny fitoerana avo ijay nataon'ireo Samaritana- ny foko kiraidraike tagny amin'ny tanàna nonegnany aby. 30Ny vahôkan'i Babylona nagnambôtre an'i Sokota-benota; ny vahôkan'i Kota nagnambôtre an'i Nergala; ny vahôkan'i Hamata nagnambôtra an'i Asima; 31ireo Avita nagnambôtra an'i Nibaza sy Tartaka. Ireo Sefarvita nagnoro ireo janagny tao amin'ny afo ho an'i Adrameleka sy Anameleka, andriamanitry ny Sefarvaima.32Nagnome voninahitra an'i Yaveh mandy koa areo, ka nanendry mpisorogn'ireo fitoerana avo avy tamin-dreo, ijay nagnano sorogna ho an-dreo tao amin'ny tempoly tao amin'ny toerana avo. 33Nagnome voninahitra an'i Yaveh areo sady nanompo ireo andriamanitran-dreo tamin'ny fomba fanaon'ireo firenena tamin'ijay efa nindôsin-dreo.34Hatramin'ijao andro ijao die mikiry amin'ireo fomba fanaon-dreo taloha areo. sady tsy nagnome voninahitra an'i Yaveh areo, no tsy magnaraka ireo didy aman-dalàna ijay natolotr'i Yaveh tamin'ny vahôkan'i Jakoba- ijay angehana hoe: Israely- 35ary tamin'ijay nanôvan'Yaveh fanekena sy nandidiany an-dreo hoe: ''Tsy hatahotre andriamani-kafa anareo, na hiankohoke amin'ijy iregne, na hanompo an'ajy iregne, na hagnano fisorognana ho an'ajy iregne.36Nefa Yaveh, ijay nitondra anareo niakatra avy tagny amin'ny tany egypta tamin'ny hery lehibe sy tagnana nisandratre, no ilay Raike ijay tsy mentsy omenareo voninahitre; Ijy no hiankohofanareo, ary ho an'Ajy ny sorogna ataonareo. 37Ireo didy aman-dalàna ijay nosoratany ho anareo, hotananareo mandrakariva iregne. Noho ijany aja matahotra andriamani-kafa anareo, 38ary ny fanekem-pihavanana ijay efa nataoko taminareo, die tsy ho adinoinareo; na anareo hagnome voninahitra andriamani-kafa.39 Yaveh Andriamanitrareo no homenareo voninahitra. ijy no hamonjy anareo amin'ny herin'ireo fahavalonareo.''40 Tsy niteno areo, satria nanohy nagnano ijay nataon-dreo tagny amin'ny lasa areo.41 Ka die natahotre an'i Yaveh ireo firenena ary nanompo sarin-draha vôsikotran-dreo mandy koa areo, ary nagnano hôtran'ijany mandy koa ireo jana-dreo- hôtran'ijay nataon'ny taranaky ny jana-dreo. Manohy magnano ijay nataon'ireo rajagny fehijay areo mandrak'ankehitriny.
Chapter 18

1ary tamin'ny taogna fahatelo nanjakan'i Hosea janak'i Elaha, mpanjakan'Israely, no nanomboka nanjaka i Hezekia janak'i Ahaza, mpanjakan'i Joda. 2Dimy amby roapolo taogna ijy no nanomboka nanjaka; nanjaka sivy amby roapolo taogna tagny Jerosalema ijy. Ny anaran'ny endriny die Aby; janaka vavin'i Zakaria ijy. 3Ary nagnano ijay mahitsy teo imason'i Yaveh ijy, nagnaraka ny ohatra abiaby ijay efa nataon'i Davida, rajambeny.4Nangala ireo toerana avo ijy, nandrava ireo andry vato, ary nanapaka ireo baon'Aseraha. Nanapatapaka ny menaragna varahigna ijay nataon'i Mosesy ijy, satria tamin'ireo andro ireo no nagnorôn'ny vahôkan'Israely ny ditin-kajo magnitre ho an'ijany; ijay nangehana hoe: ''Nehostana.'' 5Natoky an'i Yaveh, ilay Andriamanitr'Israely i Hezekia, mba tsy hisy olo hitovy amin'ajy ao afarany eo amin'ireo mpanjakan'i Joda abiaby, na eo amin'ireo mpanjaka ijay teo alohany.6Fa nifikitre tamin'i Yaveh ijy. Tsy nitrehe nagnaraka an'ajy ijy ary nitandrigna ireo didiny, ijay nandidian'i Yaveh an'i Mosesy. 7Ka nomba an'i Hezekia i Yaveh, ary n'aja n'aja nombany die nambinina ijy. Nikomy nanohitre ny mpanjakan'i Asyria ijy ary tsy nanompo an'ajy. 8Nanafike ireo filistina lahatagny Gaza sy ny sisin-tany magnodidigna ijy, lahatagny amin'ny tilikambon'ireo mpiambigna ka lahatagny amin'ny tanàna vôaro mafy.9Ary tamin'ny taogna fahefatra nanjakan'i Hezekia Mpanjaka, ijay taogna fahafito nanjakan'i Hosea janak'i Elaha mpanjakan'Israely, die niakatra hanohitra an'i Samaria i Salmanesera mpanjakan'i Asyria ary nagnano fahirano an'ijany. 10Ary tamin'ny fiafaran'ny taogna fahatelo no nangalan-dreo an'ijany, die tamin'ny taogna fahenina nanjakan'i Hezekia, ijay taogna fahasivy nanjakan'i Hosea mpanjakan'Israely; ijany no fomba nisamborana an'i Samaria.11Koa nindôsin'ny mpanjakan'i Asyria tagny Asyria ny Israely, ary nataony tao Hala, teo amin'ny Ranoben'i Habora tagny Gozana, ary tao amin'ireo tanànan'i Mediana areo. 12Nagnano an'ijany ijy satria tsy nankato ny feon'i Yaveh Andriamaniny areo, fa koja nandika ny jaka fanekeny, ijay abiaby nandidian'i Mosesy mpanompon'Yaveh an-dreo. nandà hiteno na hagnano an'ijany areo.13Ary tamin'ny taogna fahefatra ambin'ny folo nanjakan'i Hezekia Mpanjaka, Sankeriba mpanjakan'i Asyria dia nanafike tanàna vôaro mafy abiabin'i Joda ka nangala ireo. 14Ka nandefa hafatre tagny amin'ny mpanjakan'i Asyria, ijay tagny Lakisy i Hezekia mpanjakan'i Joda nagnano hoe; '' Efa nanafintohigna anao iaho. Miala amin'ahy. N'ino n'ino hampitondrianao an'ahy die ho indôsiko. Die nitaky tamin'ny Hezekia mpanjakan'i Joda mba handoa ny talenta volamena telopolo ny mpanjakan'i Asyria. 15Ka nomen'i Hezekia an'ajy ny volafotsy abiaby ijay hita tao amin'ireo tragnon'i Yaveh sy tao amin'ireo fitoeran-draha sarobidin'ny lapan'ny mpanjaka.16Die nalain'i Hezekia ny volamena teo amin'ny tempolin'i Yaveh sy teo amin'ny andry ijay nametahany takela-bolamena; ary nomeny ny mpanjakan'i Asyria ny volamena. 17Nefa ny mpanjakan'i Asyria nagnetsike ny tafigny lehibe, nagnirake an'i Tartana sy Raba-sarisa ary ny lehiben'ny mpifehy avy agny Lakisy ho agny amin'ny Hezekia mpanjakan'i Jerosalema. Nagnatogna ny lakan-dranon'ny kamory ambony areo, teo an-dalam-ben'ny sahan'ny mpamotsy lamba, ary nijanogna teo amin'ijany. 18Laha efa nangaike an'i Hezekia Mpanjaka areo, die nivôke mba hijaha an-dreo i Eliakima janake lahin'i Hilkia, ijay nanapaka ny ankohonana, sy Sebna mpanora-dalàna, ary Joa janake lahin'i Asafa, mpitahiry tantara.19Ary ny lehiben'ny mpifehy nijaka an-dreo mba hilaja amin'i Hezekia ijay nojakain'ny mpanjaka lehibe, mpanjakan'i Asyria, magnano hoe: ''ino no loharanon'ny fahatokianao?20 Jaka tsy misy dikany no jakainao, milaja hoe misy akama sy hery ho amin'ny ady. Ary ankehitriny ija no itokianao? Ija no magnome herim-po anao hikomy hanohitre an'ahy? 21Ijao, matoky ny tehigna volotara torotoron'ny egypta anao, kanefa laha mitehigna amin'ijany ny olo, die hiraikitra eo amin'ny tagnany ijany ka handôke an'ijany. Hôtran'ijany i Farao mpanjakan'i Egypta amin'ireo abiaby matoky an'ajy.22Fa laha mijaka amin'ahy anao hoe: ''Matoky an'i Yaveh Andriamanitray ahay, moa ve tsy ijy ilay raike ijay nangala ireo toerana avo sy ny alitara ijay nalain'i hezekia, ary nijaka tamin'i Joda sy Jerosalema hoe: ''Tsy mentsy manompo eo alohan'itoy alitaran'i Jerosalema itoy anao? 23Ankehitriny ary, te-hanolotre fanatitra tsara avy amin'ny tompoko mpanjakan'i Asyria iaho. Homeko sôvaly roa arivo anao, laha mahita mpideba an-dreo.24Hataonao akory ny manohitre na die ny raike amin'ny kapiteny ijay kely indrindrake amin'ireo mpanompon'ny tompoko aja? Efa nametraka ny fahatokianao tagny Egypta ho an'ireo kalesy sy ny mpideba sôvaly anao! 25Moa ve efa nandeha niakatre tsy nisy an'i Yaveh mba hiady hanohitre sy handrava itoy toerana itoy ve iaho? Hoy i Yaveh tamin'ahy: ''Tafiho ary ravao itoy tany itoy.''26Avy eo i Eliakima janaka lahin'i Hilkia, sy Sebna, ary Joa nijaka tamin'ny lehiben'ny mpifehy hoe: ''Mba voriano amin'ny fijakana Syriana rô ireo mpanomponao, fa ajonay ijany. Aja mivoria aminay amin'ny fijakan'ny Joda eo amin'ny sofin'ny olo ijay eo amin'ny rindrigna.''27 Nefa hoy ny lehiben'ny mpifehy tamin-dreo hoe'' Moa ve nandefa an'ahy ho agny amin'ny tomponao sy anao ny tompoko mba hijaka ireo jaka ireo? Moa ve iaho nalefany tagny amin'ireo lelahy midoboke eo amin'ny rindrigna, ija no tsy mentsy hihinagna ny malotony sy hinogna ny amanin-dreo miaraka aminao?28y ny lehiben'ny mpifehy nitsagna sy nangaike tamin'ny feo mahare tamin'ny fijaka Jiosy hoe: '' Tenoy ny jakan'ny mpanjaka lehibe, die ny mpanjakan'i Asyria. 29Ijao no jakain'ny mpanjaka, Aja magneky ho fitahin'i Hezekia anareo, fa tsy afake ny hamonjy anao amin'ny fahefako ijy. 30Aja mamela an'i Hezekia hampatoky anao an'i Yaveh, magnano hoe: ''Hamonjy antsena tokôtre i Yaveh, ary itoy tanàna itoy die hatolotre ho eo an-tagnan'ny mpanjakan'i Asyria.'''31Aja miteno an'i Hezekia, fa ijao no jakain'ny mpanjakan'i Asyria hoe: 'Mihavana amin'ahy ary miaraha amin'ahy. Ary ny kiraidraike avy aminareo die samy hihinagna amin'ny vôlobogny sy ny hajon'aviaviny, ary hinogna ny rano ao amin'ny famorian-dranony. 32Hagnano ijany mandra-piaviko sy hitondrako anareo agny amin'ny tany hôtran'ny taninareo manokagna, tany misy mofo sy tanim-bôloboka, tany misy hajo oliva sy tintele mba ho velogna anareo fa tsy ho faty.' Aja miteno an'i Hezekia laha miejake mandresy lahatre anareo ijy, magnano hoe: 'Hamonjy antsena i Yaveh.'33Moa ve misy nahavonjy an-dreo teo an-tagnan'ny mpanjakan'i Asyria ve ireo andriamanitry ny olo? Aja moa ireo andriamanitr'i Hamata sy Arpada? 34Aja moa ireo andriamanitr'i Sevarvaima, sy Hena, ary Iva? Nahavonjy an'i Samaria teto an-tagnako ve areo? 35Eo amin'ny andriamanitry ny tany abiaby, moa ve efa nisy andriamanitra nahavonjy ny taniny tamin'ny fahefako?Ahôna no hahafahan'i Yaveh mamonjy an'i Jerosalema amin'ny heriko?''36Kanefa nangigna ny olo ary tsy namaly, satria nandidy ny mpanjaka hoe: ''Aja mamaly an'ajy. '' 37Avy eo Eliakima, janak'i Hilikia, ijay ambony teo amin'ny ankohonagna; sy Sebna ilay mpanora-dalàna; ary Joa janak'i Asafa, ilay mpitan-tsoratra, niditra nenga ao amin'i Hezekia niaraka tamin'ireo fitafian-dreo vôtriatre, ary nitondra ny jakan'ny lehiben'ny mpifehy tamin'ajy.
Chapter 19

1Ary laha efa regnin'i Hezekia Mpanjaka ny tatitran-dreo, die nandrovitre ny sikignany ijy, nagnano sikigna fisaognana, ary niditre tao an-dragnon'i Yaveh.2 Nagniraka an'i Eliakima ijay lehiben'ny tandapa ijy, sy Sebna ilay mpanora-dalàna, ary ireo lohan'ny mpisorogna, samby nisikigna ny sikigna fisaognana aby koa, ho agny amin'i Isaia janaka lahin'i Amoza, ilay mpaminany.3Die hoy areo tamin'ajy: ''Ijao no jakan'i Hezekia: 'Itoy andro itoy no andron'ny fahoriana, famejana, ary fahafaham-baraka, efa akeky ho afaitre ny jaja, nefa tsy hisy hery hamairana an-dreo.4 Angamba mety ho regn'i Yaveh Andriamanitrao ny teny abiaby nataon'ilay lehiben'ny mpifehy, ijay nirahin'ny mpanjakan'i Asyria tompony mba hihantsy an'Andriamanitra velogna, ary hamaly ireo jaka ijay regn'i Yaveh Andriamanitrao. Koa asandrato ho an'ijay sisa mbola eto ny vavakao ankehitriny. '''5ry tonga tagny amin'i Isaia ny mpanompon'i Hezekia mpanjaka, 6ary Isaia nagnano tamin-dreo hoe; ''Jakao amin'ny tomponareo fa: 'Ijao no jakan'i Yaveh: ''Aja angoaigna ny amin'ny jaka ijay efa regninao, ijay efa nagniratsiran'ny mpanompon'ny mpanjakan'i Asyria an'ahy. 7indro, hametrake fanahy ao amin'ajy Iaho, ary haharegne siosio ijy ka hipôdy agny amin'ny taniny. Hataoko lavon'ny sabatre ao amin'ny taniny ijy. ''''8Dia nipody ny lehiben'ny mpifehy ary nahita ny mpanjakan'i Asyria niady tamin'ny Libna, fa ijy efa naharegne fa efa niala tao Lakisy ny mpanjaka. 9Ary Sankeriba naharegne fa i Tiraka mpanjakan'i Etiopia sy Egypta die efa niomagna ny hiady amin'ajy, noho ijany die nagniraka mpitondra hafatre ho any amin'i Hezekia indraike ijy hoe:10Jakao amin'ny Hezekia mpanjakan'i Joda hoe: 'Aja abela hamitaka anao Andriamanitra ijay hitokianao ka hagnano hoe: ''Jerosalema die tsy homena ho eo an-tagnan'ny mpânjakan'i Asyria.'' 11Ijao; efa regninao ny raha efa nataon'ny mpanjakan'i Asyria tamin'ny tany abiaby tamin'ny famotehana tanteraka an'ireo. Koa ho vôvonjy ve anao?12Efa namonjy an-dreo ve andriamanitry ny firenena, ireo firenena ijay nopotehin'ny rajako: die i Gozana, Harana, Razefa, ary ny vahôkan'i Edena tao Telasara? 13Aja ny mpanjakan'i Hamata, ny mpanjakan'i Arpada, ny mpanjakan'ny tanàna Sefarvaima, Hena, ary Iva? '''14Vôrain'i Hezekia ny taratasy tagny amin'ireo mpitondra hafatre ary novakiany ijany. Avy eo die niakatra tagny an-dragnon'i Yaveh ijy ka nanokatra an'ijany teo alohany. 15Die nivavaka teo ankatrehan'i Yaveh i Hezekia, ary nagnano hoe: ''Ry Yaveh tompon'ny maro, Andriamanitr'Israely, Anao ijay midoboke eo ambonin'ny kerobima, Anao no Andriamanitra tokagna magnerana ny fanjakana abiaby eto an-tany. Anao no nagnano ny lanitra sy ny tany.16Atongilagno ny sofignao, ry Yaveh, ary mitenoa. Ahirato ny masonao, ry Yaveh, ka mijaha, ary tenoy ny jakan'i Sankeriba, ijay efa nirahiny mba haniratsira ny Andriamanitra velogna. 17Eka tokôtre ry Yaveh, efa nandrava ireo firenena sy ny taniny tokôtre ny mpanjakan'i Asyria. 18Efa nagnoro ny Andriamanitran-dreo tao agnaty afo areo, satria tsy andriamanitra ireo fa asa-tagnan'olombelogna, hajo sy vato fotsiny mandy. Koa nopotehin'ny Asyriana areo.19Koa ankehitriny, ry Yaveh andriamanitray, mitalaho Aminao iaho, vonjeo amin'ny heriny ahay, mba hahafantaran'ny fanjakana abiaby eto an-tany fa Anao, Yaveh, no andriamanitra tokagna.''20Ary Isaia zanaka lahin'i Amoza nandefa hafatre tagny amin'i Hezekia, nagnano hoe: ''Yaveh, Andriamanitrin'Israely nijaka hoe: 'Satria efa nivavaka tamin'ahy ny amin'ny Sankeriba mpanjakan'i Asyria anao, die niteno anao iaho. 21Ijao no jaka jakain'i Yaveh mahakasika an'ajy: ''Ny janaka vavy virijinin'i Ziona magnano tsinontsino anao mihehy ho amin'ny fahafaham-baraka. Ny janaka vavin'i Jerosalema magnifikifi-doha aminao. 22Ija no efa nihantsinao sy notsiratsirainao? Hanohitra an'ija no nagnandratanao ny feonao sy ny nampiandrandranao ny masonao am-pireharehana? Hanohitra ilay Masin'Israely!23Tamin'ny alalagn'ireo irakao no nihantsianao ny Tompo, ary nagnano hoe'Tamin'ny Kalesiko maro no niakarako tagny an-tampon'ny Tety, ny fiakarana avo indrindra tagny Libanona. Hokapaiko ny sedera lava sy ny kypreso vôfantigna ao. Hiditre amin'ny faritry lavitra indrindra iaho, ao amin'ijay alany mamokatra indrindrake. 24efa nangady lava-drano iaho ary efa ninogna ny ranon'ny firenen-kafa. Efa nandritre ny ranoben'i Egypta abiaby ho eo am-paladiako iaho.'25y regninao ve ny fomba nagnomagnako an'ijany lahatamin'ny ela sy ny niasako an' ijany tamin'ny andro taloha? Ankehitriny die fa hagnantanteraka an'ijany iaho. Eo anao mba handrava ireo tanàna mimanda ho lasa korotam-bato. 26Ireo mponigna ao amin'ajy, ijay kely hery, die torotoro sy megnatre. Raha-maniry egne an-karegnana areo, ahi-mentso, ahitre egne ambony tafo na egne an-karegnana, norôna mialohan'ny naniriany.27Fa iaho mahalala ny fidobohanao, ny fivoahanao, ny fidiranao, ary ny fahavigniranao amin'ahy. 28Nohon'ny fahavigniranao amin'ahy, ary satria regnin'ny sofiko ny fiavognavognanao, die hametraka ny farangoko amin'ny orognao Iaho, ary ao amin'ny vavanao ny lamboridiko; hataoko mipody amin'ny lalagna niavianao anao.''29ao no famantarana ho anao: Hihinagna raha maniry tsinahy anareo amin'itoy taogna itoy, ary ny taogna magnaraka die dimbin'ijany. Fa amin'ny taogna fahatelo koja die hamboly sy hambely anareo, hamboly tanim-bôloboka ka hihinagna ny voany. 30Ny sisa amin'ny taranak'i Joda ijay mbola velogna die hamàka indraike ka hisondrotre ary hamoa. 31Fa hisy sisa hivôke avy agny Jerosalema, avy agny an-tetin'i Ziona no hiavian-dreo sisa tsy maty. Ny jotom-pon'i Yaveh tompon'ny maro no hagnano an'ijany.32 ijao no jakain'i Yaveh momba ny mpanjakan'i Asyria: Tsy hiditra amin'itoy tanàna itoy ijy na handefa jana-tsipika ao; na ho avy eo alohany miaraka amin'ny ampinga na hagnano fahirano an'ajy. 33Ny lalagna ijay niaviany mandy no lalagna hivoahany; tsy ho tafioditre amin'itoy tanàna itoy ijy- ijany no fagnambaran'i Yaveh.'' 34Fa Iaho hiaro sy hagnavotra itoy tanàna itoy, noho ny amin'ahy sy ny amin'i Davida mpanompoko.'''35Ary tamin'io aligna io dia avy ilay anjelin'i Yaveh ary nanafika ny tobin'ireo Asyriana, ka nahafaty miaramila 185.000. Laha efa nifoha aloha ny olo nony maraigna, die niampatre tegne abiaby tegne ny fatin'olo. 36Ka nandao an'Israely i Sankeriba mpanjakan'i Asyria ary lasa nody sy nidoboke tagny Ninive. 37Tatoy afara laha nagnano fotoam-pivavahana tao an-dragnon'i Nisroka andriamaniny ijy, die novonoin'i Andrameleka sy Sarezera janagny lahy tamin'ny sabatra. Avy eo die nitsôke tagny amin'ny tanin'i Ararata areo. Ary Esara-hadona janagny lahy no lasa mpanjaka teo amin'ny toerany.
Chapter 20

1Ary tamin'ijany andro ijany die narary efa ho faty i Hezekia. Ka nagnatogna an'ajy i Isaia janak'i Amosa, ilay mpaminany, ary nijaka tamin'ajy hoe: ''Hoy Yaveh: ''Arindrao ny tragnonao; fa ho faty anao, ary tsy ho velogna. 2Die nitodike nagnatrike ny rindrigna i Hezekia ary nivavaka tamin'i Yaveh ijy nagnano hoe:3 ''Mba miangavy rô, ry Yaveh ô, mba tsarovy ny nandehanako am-pahatokiana teo ankatrehanao tamin'ny foko manontolo, sy ny nanôvako tsara teo imasonao. '' Ary nitagny mahare i Hezekia avy eo.4ialohan'ny nivoahan'i Isaia teo agnivon'ny tokontany, die tonga tamin'ajy ny jakan'i Yaveh, nagnano hoe:5 ''Mipodiana ary jakao i Hezekia, ilay mpitarika ny oloko hoe: 'Ijao no jakain'i Yaveh, Andriamanitr'i Davida rajambenao: ''efa regniko ny vavakao , ary hitako ny ranomasonao. Hagnasitragna anao Iaho amin'ny andro fahatelo, ary hiakatre agny an-dragnon'i Yaveh anao.6Ho ampiako dimy ambin'ny folo taogna ny andro hiaignanao, ary ho vonjeko amin'ny tagnan'ny mpanjakan'i Asyria anao sy itoy tanàna itoy, ary ho arovako itoy tanàna itoy, nohon'ny amin'ahy sy nohon'ny amin'i Davida mpanompoko.'''7 Koa hoy Isaia hoe: ''Mangala fehezan'aviavy.'' Die nanagno an'ijany areo ary napetagny tamin'ny bainy ijany die sitragna ijy.8Hoy i Hezekia tamin'i Isaia: ''Ino no famantarana fa ho sitragnin'i Yaveh iaho, sy ny tokony hiakarako agny amin'ny tempoly amin'ny andro fahatelo?'' 9Namaly Isaia hoe: ''Ijao no famantarana ho anao avy amin'i Yaveh, fa i Yaveh die hagnano ijay raha nijakainy. Tokony handroso dingagna folo ve ny aloka, sa hihemotre dingagna folo?''10Namaly i Hezekia: ''Mora ho an'ny aloka ny handroso dingagna folo. Tsiare! abelao hihemotre dingagna folo ny aloka.11 '' Ka nangaingaike an'i Yaveh i Isaia mpaminany, ary nindôsiny nihemotre dingagna folo ny aloka, avy tamin'ny nihetsehany teo amin'ny tohotr'i Ahaza.12Tamin'ijany fotôgna ijany i Merodaka Baladana janak'i Baladana mpanjakan'i babylona die nandefa taratasy sy fagnomejana tagny amin'i Hezekia, satria regniny fa narary i Hezekia. 13Niteno ijany taratsy ijany i Hezekia, ary nabôkany ireo mpitondra hafatra ny lapa abiaby sy ny raha-tsarobidiny, ny volafotsy, ny volamena, ny raha-magnitra sy ny menaka sarobidy ary koa ny tragno fagnatsarejany ny fitôvam-pediany, ijany abiaby ijany die hita tao amin'ny tragno fagnatsarejany. Tsy nisy raha ijay tsy nabôkan'i Hezekia an'dreo tao an-dragnony, na tao amin'ny fanjakany.14Ary isaia mpaminany nenga agny amin'i Hezekia Mpanjaka ary nagnotany an'ajy hoe: ''Ino no nijakain'iregne lelahy iregne taminao? Avy aja ijy iregne? ''Hoy Hezekia: ''Avy agny an-tany lavitre agny Babylona areo.'' 15Nagnotany i Isaia hoe: ''Ino no hitan-dreo tao an-dragnonao?'' Namaly i Hezekia hoe: ''Hitan-dreo aby koa ny raha abiaby tato an-dragnoko. Tsy nisy tamin'ireo raha-tsarobidiko tsy nabôkako an-dreo.''16Ka hoy i Isaia tamin'i Hezekia: ''Tenoy ny jakan'i Iaveh:17 'Io, efa ho avy ny andro hitômana ny raha abiaby eo amin'ny lapanao menga agny Babylona, die ireo raha natsarejin'ny rajambenao lahatamin'ijao andro ijao. Tsy misy n'ino n'ino ho tabela, hoy i Yaveh. 18Ny janaka lahy nafaitre avy aminao, ijay notejainao manokagna_ ho alain-dreo ijany, ho lasa tandapa ao amin'ny lapan'ny mpanjakan'i Babylona areo.'''19Ary hoy i Hezekia tamin'i Isaia: ''Tsara ny jakan'i Yaveh ijay nojakainao. '' Satria nihevitre ijy hoe: ''Tsy hisy fiadanagna sy filaminana ve ijany amin'ny androko?''20 Laha ny amin'ireo raharaha hafa mahakasika an'i Hezekia, sy ny heriny abiaby, ary ny nanôvany ny farihy sy ny lakan-drano, ary koa ny nitondrany rano ao amin'ny tanàna-moa tsy efa vôsoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ireo mpanjakan'i Joda ve ijany? 21Nodimandry niaraka tamin'ireo rajambeny i Hezekia, ary i Manase janagny lahy no nandimby an'ajy teo amin'ny toerany.
Chapter 21

1Roa ambin'ny folo taogna i Manase no nanomboke nanjaka; nanjaka nandritre ny dimy amby dimampolo taogna tao Jerosalema ijy. Ny agnaran'ny endriny die i Hefziba. 2Efa nagnano ijay ratsy teo imason'i Yaveh ijy, hôtran'ireo raha maharikorikon'ny firenena ijay noroahin'i Yaveh teo ankatrehan'ireo Israely. 3Fa nagnapody nagnorigna ireo toerana avo ijay nosimbain'i Hezekia iabany ijy, ary nagnorigna ireo alitara ho an'i Bala, nagnano baon'Aseraha raike, hôtran'ny nataon'i Ahaba mpanjakan'Israely, ary niankohoke tamin'ireo kintagn'ny lanitra abiaby ka nanompo an'ireo.4anase die nagnorigna alitara fanompoan-tsampy tao an-dragnon'i Yaveh, na die nandidy aja i Yaveh hoe: ''Ho mandrakijay ao Jerosalema ny agnarako ''5 Nagnorigna ireo alitara ho an'ny kitagnan'ny lanitra ijy tao amin'ireo kianja roan'ny tragnon'i Yaveh. 6Nataony tao agnaty afo ny janagny; sady nagnadro sy nagnano sikidy ary nangala hevitre tamin'ireo ijay mivoria amin'ny maty sy ireo ijay mivoria amin'ny fagnahy ijy. Nagnano ratsy rahabe teo imason'Yaveh ijy ary nihantsy an'Andriamanitra tamin'ny havignirany.7Ny sary sokitr'i Astarta ijay nataony, die napetragny tao an-dragnon'i Yaveh ijany. Ka momba ijany tragno ijany no nivorianan'i Yaveh tamin'i Davida sy Salomona janagny; hoy ijy hoe: : ''Tato amin'itoy tragno itoy ary tao Jerosalema, ijay nosafidiko tamin'ireo fokon'Israely abiaby no hametrahako ny agnarako mandrakijay. 8Ary tsy hampirenireny ny hongotr'Israely hivôke amin'ny tany ijay nomeko ny rajagn'ireo koa Iaho, Laha mankato tsara ireo abiaby ijay nandidiko areo, ary hagnaraka ny lalàna abiaby ijay nandidian'i Mosesy mpanompoko an-dreo. 9''Fa tsy niteno ireo vahôke, ary i Manase no nitarika an-dreo hagnano ratsy mihôtre noho ireo firenena ijay noravan'i Yaveh teo ankatrehan'ny vahôkan'Israely.10Die nivoria tamin'ny alalan'ireo mpaminany mpanompony i Yaveh, nagnano hoe; 11Satria i Manase mpanjakan'i Joda die nagnano ireo raha maharikoriko ireo, ary nagnano ratsy mihôtre noho ijay abiaby nataon'ireo Amorita ijay nagnano ijany talohany, ary nampanota an'i Joda mandy koa tamin'ireo sampiny, 12noho ijany i Yaveh, ilay Andriamanitr'i Israely, nijaka ijao: Io, hahatonga loja hôtran'ijany eo amin'i Jerosalema sy Joda Iaho ka ijay abiaby maharegne an'ijany, die hangoritsigna ny sofigny roa.13Hagnampatre ny tady fandrefesana am-piasaina hanoherana an'i Samaria amin'i Jerosalema iaho, ary ny pilao fandrefesana ampiasaina hanoherana ny fianakavian'i Ahaba; hagnadio an'i Jerosalema, hotrin'ny olo magnadio hanina, mikosoka an'ijany ary magnodikondigna an'ijany ambony ambany iaho. 14Hanipy ireo lovako sisa tabela iaho ary hagnome an'ijany ho eo am-pelatagnan'ny fahavalon-dreo. Ho tonga niharam-boigna sy babon'ireo fahavalony abiaby areo, 15satria efa nagnano ijay ratsy teo imasoko areo, ary mihantsy an'ahy tamin'ny havignirana, lahatamin'ny andro nivoahan'ny rajamben-dreo avy tao Egypta, mandraka androany.''16Fagnampin'ijany, i Manase die nandatsa-dra tsy manan-tsiny rahabe, mandra-pahafenoiny fahafatesana tamin'ny raike lahatamin'iraike hafa an'i Jerosalema. Ijany die fagnampin'ny fahotana ijay nampagnotany an'i Joda, laha efa nagnano ratsy teo imason'i Yaveh areo. 17Ary laha ny amin'ireo raharaha hafa mahakasika an'i Manase, ijay abiaby nataony, ary ny fahotana ijay nataony, moa ve tsy efa vôsoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'i Joda ijany? 18Die nodimandry tagny amin'ireo rajagny ary nalevigna tao amin'ny jaridaignan'ny tragnony mandy i Manase, tao an-jaridaignan'i Oza. Ary Amona janagny no lasa mpanjaka teo amin'ny toerany.19Teo amin'ny faharoa amby roapolo taognany i Amona no nanomboka nanjaka ; nanjaka nandritra ny roa taogna tao Jerosalema ijy. Ny agnaran'ny endriny die i Mesolemeta; janake vavin'i Haroza avy agny Jotba. 20Nagnano ijay ratsy teo imason'i Yaveh ijy, hôtran'ny nataon'ny Manase iabany.21Nagnaraka ireo lalana abiaby ijay nandehanan'iabany ary nanompo ireo sampy ijay notompoin'iabany, ary niankohoke amin-dreo i Amona. 22Nandao an'i Yaveh, ilay Andriamanitr'ireo rajagny ijy, ary tsy nandeha tamin'ny lalan'i Yaveh.23 Ireo mpanompon'i Amona die nitetike hanohitra an'ajy ary namono ny mpanjaka tao an-dragnony mandy.24Fa ireo vahôkan'ny tany die namono ijay abiaby nitetika hanohitre an'i Amona mpanjaka, ary areo no nagnano an'i Josia janagny lahy ho mpanjaka teo amin'ny toerany. 25Laha ny amin'ny raharaha hafa mahakasika ijay nataon'i Amona; moa ve tsy efa vôsoratre ao amin'ny bokin'ny tantaran'ireo mpanjakan'i Joda ijany? 26Ireo vahôke die nandevigna an'ajy tao amin'ny fasagny tao an-jaridaignan'i Oza, ary i Josia janagny no lasa mpanjaka teo amin'ny toerany.
Chapter 22

1Valo aogna i Josia no nanomboka nanjaka; iraika amby telopolo taogna no nanjakany tao Jerosalema. Jedida no agnaran'ny endriny( janake vavin'i Adaia avy agny Bozkata).2Nagnano ijay marina teo imason'i Yaveh ijy. Nandeha tamin'ireo lalagna abiabin'i Davida rajambeny ijy, ary tsy nivily lalagna niankavia na niankavanagna.3Ary teo amin'ny fahavalo ambin'ny folo taognan'i Josia Mpanjaka, die nandefa an'i Safana janak'i Azalia janak'i Mesolama, ilay mpanora-dalàna, tagny an-dragnon'Yaveh ijy nagnano hoe:4 ''Miakara agny amin'ny Hilkia ilay mpisorogna be ary jakao ijy mba hagnisa ny vola ijay nindôsina tagny an-dragnon'i Yaveh, ijay nangonin'ny mpiandry tempoly tamin'ny vahôke. 5Ôke ijany homena eo an-tagnan'ny mpiasa ijay miandrekitre ny tragnon'i Yaveh, ary ôke areo hagnome an'ijany an'ilay mpiasa ijay ao an-dragnon'Yaveh, mba hagnamboarana ijay simba ao amin'ny tempoly.6Ôke areo hagnome vola ho an'ireo mpandrafitre, ireo mpanori-tragno, ary mba hivanga hajo sy vato vôpaike mandy koa hagnamboarana ny tempoly.'' 7Fa tsy ho takiana amin-dreo ny antontan'ny vola, satria mampiasa an'ijany am-pahatokiana areo.8Hoy i Hilkia mpisorogna be tamin'i Safana mpanora-dalàna hoe: ''Hitako tao amin'ny tragnon'i Yaveh ny bokin'ny lalàna. " 9Ka nomen'i Hilkia an'i Safana ny boky, ary namaky ijany ijy. Lasa i Safana ary nangala ny boky tegne amin'ny mpanjaka, ary hitatitre amin'ajy mandy koa, magnano hoe: ''Ireo mpanomponao die nandany ny vola ijay hita tao amin'ny tempoly ary natolotran-dreo teo an-tagnan'ireo mpiasa ijay nagnara-maso ny fikarakarana ny tragnon'i Yaveh ijany.10 ''Die hoy i Safana mpanora-dalàna tamin'ny mpanjaka: ''Hilkia mpisorogna no nagnome an'ahy ny boky. '' Ary novakian'i Safana tamin'ny mpanjaka ijany.11Ary laha efa naharegne ireo jakan'ny lalàna ny mpanjaka, die nandriatre ny sikignany ijy. 12Nandidy an'i Hilkia mpisorogna, sy Ahikama janak'i Safana, i Akbora janak'i Mikaia, Safana ilay mpanora-dalana, ary i Asaia, ilay mpanompony, ny mpanjaka, ka nagnano hoe: 13''Mandehana ary mivoriana amin'i Yaveh ho an'ahy, ary ho an'ireo vahôka sy ireo Joda abiaby, noho ireo jakan'itoy boky ijay hita itoy. Fa mafonja ny havigniran'i Yaveh ijay mirehitre amintsena nohon'ny tsy fitenoan'ireo rajambentsena ireo jakan'itoy boky itoy die ny hoe hankato ijay abiaby vôsoratra momba antsena.14Noho ijany i Hilkia mpisorogna, Ahikama, Akbora, Safana, ary i Asaia no nandeha nenga agny amin'i Holda ilay mpaminany vavy, vadin'i Saloma janak'i Tikva janak'i Harasa, ilay mpikarakara ny sikigna( nidoboke tao Jerosalema tao amin'ny faritre faharoa ijy), ary nivoria tamin'ajy areo. 15Hoy raviavy tamin-dreo: ''Ijao no nojakain'i Yaveh, ilay Andriamanitr'Israely: 'Jakao ny olo hoe:16 ''Ijao no jakain'i Yaveh: 'Io, hitondra loja amin'itoy toerana itoy sy ireo mponiny iaho, araka ny raha abiaby vôsoratra ao amin'ny boky ijay nivakian'ny mpanjakan'i Joda.17Satria nahafoy an'ahy ary nagnoro ditin-kajo magnitre ho an'ireo andriamanitra hafa areo, mba hiantsy an'Ahy ho vignitre amin'ireo asa abiaby ijay nataon-dreo-- noho ijany ny havignirako die nirehitre tamin'itoy ary tsy ho faty ijany . '' 18Fa ho an'ny mpanjakan'i Joda, ijay nandefa anao mba hagnotany ny sitrapon'i Yaveh, die ijao no jakainao amin'ajy: ''Yaveh, ilay Andriamanitr'Israely nijaka an'ijao: ''Momba ireo jaka ijay regninao, 19satria tso-po anao, ary satria nagnetry tegna teo ankatrehan'i Yaveh anao, laha efa regninao ijay nijakaiko tamin'itoy toerana itoy sy ireo olony, fa ho tonga faharavana sy ojogna areo, ary satria anao die nandriatre ny sikignanao ary nitagny teto ankatrehako, die niteno anao mandy koa Iaho-- ijany no fagnambaran'i Yaveh.20Ijao, hanambatre anao amin'ireo rajagnao Iaho, ary handry am-piandagnana ao am-pasagnao anao. Tsy hahita ireo loja abiaby ijay hindôsiko amin'itoy toerana itoy ny masonao. '''' Koa die nindôsin'ilay lelahy tagny amin'ny mpanjaka ijany hafatre ijany.
Chapter 23

1Die nagniraka mpitondra hafatre ijay nampivory teo amin'ajy ireo loholon'i Joda sy Jerosalema abiaby ny mpanjaka. 2Die niakatre tao an-dragnon'i Yaveh ny mpanjaka, sy ireo olon'i Joda abiaby ary ireo mponign'i Jerosalema abiaby niaraka tamin'ajy, sy ireo mpisorogna, ireo mpaminany, ary ireo vahoka abiaby lahatamin'ny kely ka lahatamin'ny lehibe. Novakiany teo an-tsofifin-dreo ny jakan'ny bokin'ny fanekana abiaby ijay hita tao an-dragnon'i Yaveh.3Nitsangagna teo akekin'ny andry ny mpanjaka ary nagnano fanekena teo ankatrehan'i Yaveh, mba hagnaraka an'i Yaveh sy hitandrigna ireo didiny, ireo fitsipiny, ary ireo lalàny, amin'ny fony abiaby sy ny fagnahiny abiaby, mba hagnamafy ireo jakan'ijany fanekena ijany ijay vôsoratra ao amin'itoy boky itoy. Ka die nagneky hankato ny fanekena ny vahôke abiaby.4Ary ny mpanjaka nandidy an'i Hilkia mpisorognabe, ireo mpisorogna ambany fahefany, ary ireo mpiandry vavahady mba hamôke avy ao amin'ny tempolin'i Yaveh ireo fanaka abiaby ijay natao ho an'i Bala sy Astarta, sy ho an'ireo kintan'ny lanitra abiaby. Nagnoro an'ijany tagny ivelan'i Jerosalema tagny an-karegnana tao amin'ny lohasahan'i Kidrona ijy ary nitondra ny lakevign'ireo tany Betela.5 Nagnafôgna ireo mpisorogna mpanompo sampy ijay nofidian'ireo mpanjakan'i Joda hagnoro ditin-kajo magnitre tao amin'ireo toerana avo tao amin'ireo tanànan'i Joda sy tao amin'ireo toerana nagnodidigna an'i Jerosalema ijy- die ireo ijay nagnoro ditin-kajo magnitra ho an'i Bala, ho an'ny masoandro sy ny volagna, ho an'ireo planeta, ary ho an'ireo kintan'ny lanitra abiaby.6Namôke ny baon'Aseraha avy tao mamin'ny tempolin'i Yaveh ijy, tagny ivelagn'i Jerosalema tagny an-dohasahan'i Kidrona ary nagnoro an'ijany teo. Notorotoroiny ho vovoke ijany ka nariany teo amin'ireo fasam-bahôke ijany vovoka ijany. 7Nodioviny ireo efitragnon'ireo lelahy mpivavaka mivaro-tegna ijay tao an-tempolin'i Yaveh, ijay nanenognan'ireo viavy sikigna ho an'i Aseraha.8Nitondra ireo mpisorogna abiaby tagny ivelagn'ny tanànan'i Joda i Josia ary nandoto ireo toerana avo ijay nagnorôn'ireo mpisorogna ditin-kajo magnitre, nanomboke tao Geba lahatagny Beri-sheba. Noravany ireo toerana avo teo amin'ny fidirana menga agny amin'ny vavahadin'i Josoa ( tanànan'ny governora), teo amin'ny ilany ankavian'ny vavahadin'ny tanàna. 9Na die tsy nabela nisorogna teo amin'ny alitaran'i Yaveh tao Jerosalema aja ireo mpisorogn'ireo toerana avo ireo die nihinagna mofo tsy misy masirasira teo amin'ireo rahalahiny areo10Nolotoin'i Josia i Tofeta, ijay tao amin'ny lohasahan'i Beni-hinoma, mba tsy hisy olo hagnoro ao agnaty afo ny janagny lahy na janagny vavy ho sorogna ho an'i Moloka. 11Nalainy ireo sôvaly ijay nomen'ireo mpanjakan'i Joda ny masoandro. Teo amin'ny faritre teo amin'ny fidirana ho an-tempolin'i Yaveh, akekin'ny efitragnon'i Natana-meleka, tandapa ireo. Norôn'i Josia ireo kalesin'ny masoandro.12Noravan'i Josia mpanjaka ireo alitara ijay teo amin'ny tafon'ny efitragnon'i Ahaza farany ambony, ijay namboarin'ny mpanjakan'i Joda, sy ireo alitara ijay nataon'i Manase tao amin'ireo kianjan'ny tempolin'i Yaveh roalahiteo. Notorotoroin'i Josia ireo ary nariany tao amin'ny lohasahan-driak'i Kidrona.13 Noravain'ny mpanjaka ireo toerana avo antsignanan'i Jerosalema, atsimon'ny tetin'ny faharatsiana ijay namboarin'i Salomona mpanjakan'Israely ho an'i Astarta, ilay sampy maharikorikon'ireo Sidoniana; ho an'i Kemosy, ilay sampy maharikorikon'i Moaba; ary ho an'i Moloka, ilay sampy maharikorikon'ireo vahôkan'i Amona. 14Notorotoin'ireo tsangam-bato ary nokapainy ireo baon'Aseraha ary nofenoiny tôlagn'olombelogna ireo toerana ireo.15Noravan'i Josia tanteraka mandy koa ny alitara ijay tao Betela sy ny toerana avo ijay namboarin'i Jeroboama janaka lahin'i Nebata (ilay raike ijay nampanota ny Israely). Norôny mandy koa ijany alitara ijany sy ny toerana avo ka notorotoroiny ho vovoka. Norôny mandy koa ny baon'Aseraha.16 Laha nijaha ny faritre Josia, die tsikariny ireo fasagna ijay teo amin'ny toerana agnambo. Nagniraka lelahy mba hangala ny tôlagna avy tao amin'ireo fasagna ijy; ka die norôny teo amin'ny alitara ireo, ijay nandoto an'ijany. Ijany die araka ny jakan'i Yaveh ijay nijakain'ny lelahin'Andriamanitra, die lelahy ijay nijaka ireo raha ireo mialoha.17e hoy ijy: ''Tsangambato ino itoy hitako? ''Ireo lelahin'ny tanàna nijaka tamin'ajy hoe: ''Io, die fasagn'ny lelahin'Andriamanitra ijay avy agny Joda ary nivoria momba ireo raha ijay vô nataonao tamin'ny alitaran'i Betela. 18''Die hoy i Josia: ''Abelao ijany. Tsy misy olo tokony hamindra ireo tôlagnany.'' Ka nabelan-dreo, niaraka tamin'ireo tôlagnin'ny mpaminany ijay avy agny Samaria ny tôlagnany.19e nalain'i Josia ireo tragno abiaby tagny amin'ireo toerana avo ijay tagny amin'ireo tanànan'ny Samaria, ijay nataon'ireo mpanjakan'Israely, ary ijay nahatonga an'i Yaveh ho vignitre. Nataony mitovy tsy misy valaka tamin'ijay natao tagny Betela ireo. 20Novonoiny teo amin'ireo alitara ireo mpisorognin'ny toerana avo abiaby ary nagnoro tôlagn'olombelogna teo amin'ireo ijy. Avy eo die nipody tagny Jerosalema.21Die nandidy ny vahôke abiaby ny mpanjaka, nagnano hoe: " Tandremo ny Paskan'i Yaveh Andriamanitrareo, arake ijay vôsoratre ao amin'itoy Bokin'ny fanekena itoy." 22Tsy nisy fankalajana ny Paska notandremana hôtran'ijany lahatamin'ny andron'ireo mpitsara ijay nanapaka teo amin'Israely, na tamin'ny andron'ireo mpanjaka ijay nanapaka ny Israely, na tamin'ireo andron'ireo mpanjakan'Israely, na Joda abiaby. 23Fa tamin'ny taogna fahavalo ambin'ny folo nanjakan'i Josia mpanjaka no nankalajaina tagny Jerosalema ijany Paskan'i Yaveh ijany.24Noroahin'i Josia mandy koa ireo ijay nivoria tamin'ny maty na tamin'ny fagnahy. Noroahiny mandy koa ireo terafima, ireo sampy, ary ireo raha maharikoriko abiaby ijay hita tao amin'ny tanin'ny Joda sy tany Jerosalema, mba hagnamafisana ireo jakan'ny lalàna ijay vôsoratre tao amin'ny boky ijay vôsoratra tao amin'ny boky ijay hitan'i Hilkia mpisorogna tao an-dragnon'i Yaveh.25 Talohan'i Josia, die tsy mbola nisy mpanjaka hôtran'ajy, ijay nipody tamin'i Yaveh tamin'ny fony abiaby, ny fanahiny abiaby, ary ny heriny abiaby, ijay nagnaraka ny lalàn'i Mosesy abiaby. Sady tsy nisy mpanjaka hôtran'i Josia nitsangagna tao afarany.26Na ijany aja, die tsy nitrehy ny firehetan'ny havignirana lehiben'i Yaveh, ijay nirehitra tamin'i Joda noho ireo fanompoan-tsampy abiaby ijay nihantsian'i Manase an'Ajy. 27Koa hoy i Yaveh: ''Alaiko tsy ho eo imasoko mandy koa i Joda, hôtran'ny nangalako an'Israely, ary hariako itoy tanàna ijay nofidiako itoy, die i Jerosalema sy ny tragno ijay nojakaiko hoe: 'Ho ao ny agnarako.'''28Laha ny amin'ireo raharaha hafa mahakasika an'i Josia, ny raha abiaby ijay nataony, moa tsy efa vôsoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ireo mpanjakan'i Joda ve ijany? 29Tamin'ny andron'i Farao-neko, mpanjakan'i Egypta, die nandeha mba hiady tamin'ny mpanjakan'i Asyria tao amin'ny Ony Eofrata. Nandeha nitsena an'i Neko tao agn'ady i Josia mpanjaka, ka novonoin'i Neko tao Megido ijy. 30Ireo mpanompon'i Josia nitondra an'ajy efa maty tao agnaty kalesy avy agny Megido, nitondra an'ajy tagny Jerosalema, ary nandevigna an'ajy tao amin'ny fasagny manokagna. Die nalain'ny vahôkan'ny tany i Joahaza janake lahin'i Josia, nosorany, ary nataony ho mpanjaka nandimby ny toeran'iabany.31Telo amby roapolo taogna i Joahaza no nanomboke nanjaka, ary nanjaka nandritre ny telo volagna tao Jerosalema ijy. Ny agnaran'ny endriny die i Hamotala; ijy die zanaka vavin'i Jeremia avy agny Libna. 32Nagnano ijay ratsy teo imason'i Yaveh i Joahaza, hôtran'ny raha abiaby ijay nataon'ireo rajambeny.33 Nofatoran'i farao-neko rojo tao amin'ny tanin'i Hamata ijy, mba tsy hanjakany ao Jerosalema. Die nampagnefain'i Neko talenta volafotsy zato sy talenta volamena raike i Joda.34Nataoni farao-neko ho mpanjaka teo amin'ny toeran'i Josia iabany i Eliakima janak'i Josia, ary novainy hoe Joaikima ny agnarany. nefa nitondra an'i Joahaza nenga agny Egypta ijy, ka maty tagny i Joahaza. 35Nandoa ny volafotsy sy volamena tamin'i Farao i Joaikima. Mba hamaliana ny fangatahan'i Farao mpanjaka die nampandoa hetra ny tany Joiakima ary notereny mba handoa volafotsy sy volamena amin'ajy araka ny tomban-dreo ny olo kiraidraike tamin'ireo vahôkan'i tany.36Dimy amby roapolo taogna i Joiakima no nanomboka nanjaka, ary nanjaka iraika ambin'ny folo taogna tao Jerosalema ijy. Ny anaran'ny endriny die i Zebida; ijy die janake vavin'i Pedaia avy agny Romaha.37 Nagnano ijay ratsy teo imason'i Yaveh i Joiakima, hôtran'ijay nataon'ireo rajambeny.
Chapter 24

1Tamin'ny andron'i Joiakima, die nanafika an'i Joda i Nebokadnezara mpanjakan'i Babylona; lasa mpanompony nandritre ny telo taogna i Joiakima. Ary nihodina ka nikomy nanohitra an'i Nebokadnezara i Joiakima. 2Nandefa ireo tarika Kaldeana, sy Syriana, Moabita ary Amonita hanohitra an'i Joiakima i Yaveh; nalefany hanohitra an'i Joda mba handrava an'ijany areo. Mifagnaraka amin'ny tenin'i Yaveh, ijay nijakainy tamin'ny alalagn'ireo mpaminany mpanompony ijany3Ajo antoka fa tamin'ny vavan'i Yaveh no nahatonga an'ijany tamin'i Joda, mba hangala an-dreo tsy ho eo imasony, nohon'ny fahotan'ny Manase, die ijay abiaby nataony? 4ary nohon'ny ra tsy manan-tsiny ijay nalatsany mandy koa, satria nofenoiny tamin'ny ra tsy manan-tsiny i Jerosalema. tsy nivononona ny hamela an'ijany i Yaveh.5Laha ny amin'ireo raharaha hafa abiaby mahakasika an'i Joiakima, sy ijay nataony abiaby, moa tsy efa vôsoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ireo mpanjakan'i Joda ve ijany?6 Nodimandry niaraka tamin'ireo rajambeny i Joiakima, ary Joiakina janagny lahy no lasa mpanjaka nandimby an'ajy.7Tsy nanafika tagny ivelan'ny taniny koa ny mpanjakan'i Egypta, satria ny mpanjakan'i Babylona die fa nandresy ny tany abiaby ijay teo ambany fifehejan'ny mpanjakan'i Egypta ka lahatamin'ny lohasahan-driakan'i Egypta ka lahatamin'ny Ranoben'i Eofrata.8Valo ambin'ny folo taogna i Joaiakina no nanomboka nanjaka; nanjaka telo volagna tagny Jerosalema ijy. Ny agnaran'ny endriny die Nehosta; janaka vavin'i Elnatana avy agny Jerosalema.9 Nagnano ijay ratsy teo imason'i Yaveh ijy, nagnano ijay abiaby nataon'iabany ijy.10min'ijany fotôgna ijany ny tafik'i Nebokadnezara mpanjakan'i Babylona die nanafike an'i Jerosalema ka nagnano fahirano ny tanàna. 11Tonga teo an-tanàna i Nebokadnezara mpanjakan'i Babylona laha mbola nagnano fahirano an'ijany ny miaramilany, 12ary i Joiakina mpanjakan'i Joda nenga agny amin'ny mpanjakan'i Babylona, ijy, ny endriny, ireo mpanompony, ireo andriany, ary ireo manampahefany. Nanambotre an'ajy ny mpanjakan'i Babylona tamin'ny taogna nanjakany.13Nalain'i Nebokadnezara avy tao aby koa ireo raha sarobidy abiaby tao an-dragnon'i Yaveh, sy ireo tao an-dapan'ny mpanjaka. Notapatahany ny raha volamena abiaby ijay nataon'i Salomona mpanjakan'Israely tao amin'ny tempolin'i Yaveh, araka ijay nijakain'i Yaveh fa hibôke. 14Nataony sesitany i jerosalema manontolo, ny mpitarika abiaby, sy ireo lelahy mpiady abiaby, babo iray aligna, sy ireo mpagnano tao-raha, ary ireo mpanefy abiaby. Tsy nabelany hijanogna afa tsy ireo olo mahantra indrindra teo amin'ny tany.15Nalain'i Nebokadnezara ho sesintany tao Babylona i Joiakina, miarake amin'ny endriny mpanjaka, ireo vadiny, ireo manampahefany, ary ireo lehiben'ireo lelahy teo amin'ny tany. Nalainy ho sesitany avy agny Jerosalema nenga agny Babylona areo. 16Ireo lelahy mpiady abiaby miisa fito arivo, mpagnano asa tanana sy mpanefy vy iray aligna, ijy abiaby ireo die natao ho amin'ny ady aby koa- ny mpanjakan'i babylona nitondra ireo lelahy abiaby ireo ho sesitany ho agny Babylona.17 Nataon'ny mpanjakan'i Babylona ho mpanjaka handimby an'ajy i Matania, rahalahin'iaban'i Joiakina, ary novany ho Zedekia ny agnarany.18Iraika amby roapolo taogna i Zedekia no nanomboka nanjaka; nanjaka nadritre ny iraika ambin'ny folo taogna tagny Jerosalema ijy. Hamotala no agnaran'ny endriny; janaka vavin'i Jeremia avy agny Libna. 19Nagnano ijay ratsy teo imason'i Yaveh ijy; nataony ijay abiaby nataon'i Joiakima. 20Tamin'ny havigniran'i Yaveh, no niboahan'ireo tranga ireo tagny Jerosalema sy Joda, mandra-pandroahany an-dreo tsy ho eo amin'ny fagnatrehany. Ary die nikomy nanohitra ny mpanjakan'i Babylona i Zedekia.
Chapter 25

1Ary tamin'ny taogna fahasivy nanjakan'i Zedekia Mpanjaka, tamin'ny volagna fahafolo, ary tamin'ny andro fahafolon'ny volagna, die tonga hanohitre an'i Jerosalema i Nebokadnezara mpanjakan'i Babylona sy ireo tafiny abiaby. Nitoby teo agnilan'ijany ijy, ary nananganan-dreo rindrigna magnodidina an'ijany. 2Ka die natao fahirano hatramin'ny faha iraika ambin'ny folo taogna nanjakan'i Zedekia Mpanjaka ny tanàna. 3Tamin'ny andro fahjasivin'ny volagna fahaefatre tamin'ijany taogna ijany, die namely mafy ny mosary tao an-tanàna ka tsy nisy hanina ho an'ny vahôkan'ny tany.4Die vaky ny tanàna, ary ny lelahy mpiady abiaby nilefa tamin'ny aligna avy teo amin'ny lalagn'ny vavahady teo agnelagnelan'ireo rindrigna roa? ijay eo amin'ny jaridaign'ny mpanjaka, na die nagnodidigna ny tanàna abiaby aja ireo Kaldeana. Nandeha tamin'ny lalagna menga agny Araba ny mpanjaka. 5Kanefa nagnanjake an'i Zedekia mpanjaka ny tafik'i Kaldeana ka nahatratra an'ajy teo amin'ny lemaky ny lohasahan-dranoben'i Jordana akekin'i Jeriko. Ary niparitake niala tamin'ajy ny tafikany abiaby.6Nosamborin-dreo ny mpanjaka ary nindôsiny niakatre tagny amin'ny mpanjakan'i Babylona tagny Ribla, tagny areo no nitsara an'ajy.7 Laha ny amin'ireo janaka lahin'i Zedekia koja, die novonoin-dreo teo imasony areo. Avy eo die nopotsirin-dreo ny masony, nofatorany tamin'ny rojo varahigna ijy, ary nindôsiny tagny Babylona.8Tamin'ny volagna fahadimy, tamin'ny andro fahafiton'ny volagna, ijay taogna fahasivy ambin'ny folo nanjak'i Nebokadnezara mpaanjakan'i Babylona, die nenga agny Jerosalema, i Nebozaradana, mpanompon'ny mpanjakan'i Babylona sy lehiben'ireo mpiambigna an'ajy. 9Norôny ny tragnon'i Yaveh, ny lapan'ny mpanjaka, ary ny tragno abiaby tao Jerosalema; ary norôny mandy koa ijay tragno lehibe manan-danja abiaby tao an-tanàna. 10Ary ireo rindrigna magnodidigna an'i Jerosalema abiaby, die nopotehin-dreo tafika Babiloniana ijay teo ambany fifehejan'ny lehiben'ny mpiambigna.11ha ny amin'ireo vahôke ijay sisa tabela tao an-tanàna , ireo ijay nandao ny mpanjakan'i Babylona, ary ireo vahôke ambiny- die nalefan'i Nebozardana mpifehy ny mpiambigna an-tsesitany areo. 12Kanefa ny lehiben'ny mpiambigna die namela ny saragny tamin'ireo mahantra indrindrake amin'ny tany mba hiasa ireo tanim-bôloboka sy ireo haregnana.13Ary ny amin'ireo andry varahigna ijay tao an-dragnon'i Yaveh, sy ireo tsanganana ary ireo tavin-drano varahigna lehibe ijay tao an-dragnon'i Yaveh , die nopotehin'ireo kaldeana ary nindôsin-dreo nipody tagny Babylona ny varahigna. 14Ireo vilany, lapelina, fitoeran-jiro , sotro, ary ireo fanaka varahina abiaby ijay fampiasan'ny mpisorogna eo an-tempoly- die nalain'ireo Kaldeana aby koa. 15Ny vilagny famafajan-dakevogna sy ny lovia ijay vita tamin'ny volamena, ary ireo vita tamin'ny volafotsy- die nalain'ny kapitenin'ny mpiambin'ny mpanjaka mandy koa.16Ireo andry roe, ny koveta, ary ireo tsanganana ijay nataon'i Solomona ho an'ny tragnon'i Yaveh die misy varahigna tsy hita ho lanjaina. 17Ny haavon'ny andry vôlohany die valo ambin'ny folo hakiho, ary nihengo kapitaly varahigna ny tampon'ijany. Telo hakiho ny haavon'ilay kapitaly, miaraka amin'ny harato sy ampongamben-danitra magnodidigna ilay kapitaly abiaby, natao tamin'ny varahigna aby koa. Mitovy amin'ilay harato vôlohany mandy ilay raike hafa.18Nalain'ny lehiben'ny mpiambigna i Seraia lehiben'ny mpisorogna, niaraka tamin'ny Zefania, mpisorogna faharoa, ary ireo mpiandry vavahady telo. 19Avy tao an-tanàna ijy no nangala tandapa raike ho gadra ijay niandraikitra ireo miaramila, ary dimy lahy tamin'ireo die mpagnome hevitre ny mpanjaka, ijay tao an-tanàna nogadrainy mandy ilay manam-pahefan'ny tafiky ny mpanjaka ijay miandraikitra ireo lelahy miofagna ho ao amin'ny tafika, niaraka tamina enimpolo lahy manan-kaja avy amin'ny tany ao an-tanàna.20Ary i Nebozaradana, lehiben'ny mpiambigna, nangala ary nitondra an-dreo tagny amin'ny mpanjakan'i Babylona tagny Ribla. 21Novonoin'ny mpanjakan'i Babylona tao Ribla tao amin'ny tany Hamata areo. Hotran'ijany no nanôvana sesitany an'i Joda tagny ivelan'ny taniny.22Laha ny amin'ireo vahôka ijay nijanogna tao amin'ny tanin'i Joda, ireo ijay nabelan'i Nebokadnezara mpanjakan'i Babylona, die nametrake an'i Gedalia janaka lahin'i Ahikima janak'i Safana, hisahagna an-dreo ijy. 23Ary laha efa regnin'ireo lehiben'ny miaramila abiaby, areo sy ireo olony, fa efa nataon'ny mpanjakan'i Babylona governora i Gedalia die nandeha tagny amin'ny Gedalia tagny Mizpa areo. Ireto ijany lelahy ijany, Ismaela janaka lahin'i Netania, Johanana janaka lahin'i Karea, Seraia janaka lahin'i Tanometa ilay Netofatita, ary i Jazania janaka lahin'ilay Makatita-areo sy ny olon-dreo. 24Nagnano fanta tamin-dreo sy tamin'ireo olony i Gedalia, ary nijaka tamin-dreo hoe: '' Aja angoaigna ireo manampahefan'i Kaldeana anareo. Mitoera eo amin'ny tany ary manompoa ny mpanjakan'i Babylona, ary ho tsara ho anareo ijany."25Kanefa tamin'ny volagna fahafito i Ismaela janaka lahin'i Elisama, avy amin'ny mpianakavin'ny mpanjaka, die nandeha niaraka tamina folo lahy ary nanafika an'i Gedalia. Maty niaraka tamin'ireo olon'i Joda sy ireo Babyloniana ijay niaraka tamin'ajy tagny Mizpa i Gedalia. 26Ary ny vahôke abiaby, ny kely indrindrake ka lahatamin'ny lehibe indrindrake, ary ireo lehiben'ny miaramila, die nenga ary nenga agny Egypta, satria natahotre an'ireo Babyloniana areo.27Tatoy afara tamin'ny fahafito amby telopolo taogna naha-sesitany an'i Joakina mpanjakan'i Joda, ny volagna faharoa ambin'ny folo, andro fahafito amby roapolon'ny volagna, die namosotre an'i Joakina mpanjakan'i Joda tagny an-dragnomejigna i Evila-merodaka mpanjakan'i Babylona. Tamin'ny taogna nanombohan'i Evila-merodaka nanjaka ijany no nibôke.28Nivoria tamin'ajy tamin'ny hatsaram-pagnahy sy nagnome seja fiandriagnana lalo manan-kaja noho ny an'ireo mpanjaka hafa ijay niaraka tamin'ajy tao Babylona ijy. 29Nalain'i Evila-merodaka ny sikigna maha-gadra an'i Joakina , ary i Joakina die nihinagna teo amin'ny latabatry ny mpanjaka nandritre ny androm-piaignany. 30Nomena solon-kanina isan'andro ijy nandritra ny androm-piaignany.

2 Chronicles

Chapter 1

1Solomona janaka lahin'i Davida, die nitombo hery tamin'ny fanjakany, ary Yaveh Andriamaniny die nomba an'ajy ary nahatonga an'ajy ho tena mahery.2Solomona nijaka tamin'Isarely abiaby , tamin'ireo mpifehy arivo lahy sy ny jato lahy, sy tamin'ireo mpitsara, ary tamin'ny andrian-dahy abiaby tao Israely abiaby, ireo mpitarike ny tragnon-drajambe. 3Koa die nandeha tegne amin'ny fitoerana agnambo ijay tagny Gibeona i Solomona sy ny mpiangogna abiaby niarake tamin'ajy, satria tagny no nisy tragnolay fihôgnana amin'Andriamanitra, ijay namboarin'i Mosesy mpanompon'i Yaveh, tagny an'efitra. 4Fa nindôsin'i Davida avy tagny Kiriata Jearima ho agny amin'ilay toerana ijay nomagniny ho amin'ijany ny fiaran'Andriamanitra, satria efa nagnorigna lay ho an'ijany tao Jerosalema ijy. 5Fagnampin'ijany, ilay alitara varahigna nataon'i Bezalila janaka lahin'i Ori janaka lahin'i Hora die efa tagny alohan'ny tabernakelin'i Yaveh; nandeha tagny i Salomona sy ny fiangonagna.6Niakatra tagny amin'ilay alitara varahigna alohan'i Yaveh i Salomona, ijay tao amin'ny tragnolay fihôgnana, ary nanolotre fanatitre orôna arivo teo amin'ijany. 7Andriamanitra nibôke tamin'i Salomona tamin'io aligna io ary nijaka tamin'ajy hoe: ''Angataho! Ino no tokony homeko anao?''8Hoy salomona tamin'Andriamanitra hoe: ''Anao die efa nampibôke famindra-po lehibe tamin'i Davida iabako, ary nagnano an'ahy ho mpanjaka teo amin'ny toerany. 9Ankehitriny, ry Yaveh Andriamanitra, ôke mba ho tanterahina ny fampagnatenana nataonao tamin'i Davida iabako, satria nataonao mpanjakan'ny olo maro agn'isa hôtran'ny vovoky ny tany iaho. 10Koa omeo fahendrena sy fahalalana iaho, mba hahafahako mitarika itoy vahôke itoy, satria ija no afaka hitsara ny vahôkanao, ijay tena maro agn'isa?''11 Hoy Andriamanitra tamin'i Salomona hoe: ''satria tao am-ponao ijany, ary satria tsy nangataka vola aman-karena anao, na voninahitra, na ny aign'ireo ijay mankahala anao, na mba ho ela velogna anao, fahendrena sy fahalalana ho an'ny tegnanano no nangatahanao; mba hahafahanao manjaka amin'ny vahôkako, eo amin'ireo ijay nanôvako anao ho mpanjaka, ary ijao no ho ataoko.12Homeko fahendrena sy fahalalana anao niany. homeko vola aman-karena, sy voninahitra mandy koa anao, ijay tsy nanagnan'ireo mpanjaka teo alohanao, ary tsy hisy afaranao hanagna. ''13 Koa tonga tao Jerosalema avy tagny amin'ny fitoerana avo ijay tao Gibeona i Salomona, avy teo alohan'ny tragnolay fihôgnana; nanjaka nagneragna an'Israely ijy.14Nampivory ireo kalesy sy mpideba sôvaly i Salomona, ary nanagna kalesy 1400 sy mpideba sôvaly roe arivo sy iray aligna ijy ijay napetragny tao amin'ny tanàna fitoeran'ireo kalesy, ary niaraka tamin'ajy, ny mpanjaka tao Jerosalema.15 Nataon'ny mpanjaka nitobaka tao Jerosalema hôtran'ny vatokely ny volafotsy sy volamena, ary nataony nitobaka hôtra'ny aviavy ijay egne amin'ireo tany iva ny hajo sedera.16 Hôtran'ny fagnafarana ireo sôvaly avy agny Egypta sy Kiho ho an'i Salomona, die novangain'ireo mpandratony avy agny Kiho tamin'ny vangany tokagna ireo.17 Nagnafatra kalesy avy tagny Egypta tamin'ny sekely volafotsy enin-jato areo, ary sôvaly tamin'ny saragny sekely 150. Areo mandy koa die nangnondragna ireo tagny amin'ireo mpanjakan'i Hetita sy ireo Syriana.
Chapter 2

1ary salomona no nibeko ny fagnorenana ny tragno ho amin'ny agnaran'i Yaveh sy ny fagnorenana ny lapa ho an'ny fanjakany. 2Nanendry lelahy fito aligna i Salomona mba hitondra ireo entagna, sy lelahy valo aligna mba ho mpanapaka hajo tagny an-tety, ary lelahy 3.600 mba hagnara-maso an-dreo. nandefa hafatre tagny amin'ny Hirama mpanjakan'i tyro i Salomona, nagnano hoe: 3''Hôtran'ijay nataonao tamin'i davida iabako, ny nandefasanao hajo sedera mba hagnorenany tragno honegnana, die manôva hôtran'ijany amin'ahy.4Io, eto am-pagnorenana tragno ho amin'ny agnaran'i Yaveh Andriamanitro iaho, mba hanokagna an'ijany ho an'Ajy, mba hagnoro ditin-kajo magnitre eo ankatrehany, mba hametrake ny mofon'ny fagnatrehana, ary ho an'ireo fanatitra orôna amin'ny maraigna sy tsondrognandro, amin'ireo Sabata sy ireo volagna vaovao, ary amin'ireo firavoravôna vôtondro ho an'i Yaveh Andriamanintsena. mandrakijay ijany, ho an'Israely. 5Ho lehibe tokôtre ny tragno ijay ho aorignako, satria lehibe ny Andriamanintsena mihotre ireo andriamanitra abiaby.6Fa ija anefa no mahay magnorigna tragno ho an'Andriamanitra, fa laha ijao tontolo abiaby ijao lahatamin'ny lanitra aja tsy homby an'Ajy? Ija Iaho no hagnorigna tragno ho an'Ajy, afa-tsy mandoro sorogna eo ankatrehany? 7Noho ijany agniraho lelahy manam-pahejana amin'ny asa amin'ny volamena, volafotsy, varahigna, vy, sy volomparasy, sily, ary volon'ondry manga iaho, ary lelahy raike mahay mambôtre ireo karan-kajo vôsikotre abiaby. Hiaraka amin'ireo lelahy manam-pahejana ijay miaraka amin'ahy agny Joda sy Jerosalema ijy, ijay natolotr'i Davida iabako.8defaso sedera , kypreso, ary hajo almoga avy agny Libanona mandy koa iaho, satria fantatro fa ireo mpanomponao die mahay ny fomba fanapahana hajo agny Libanona. Io, ireo mpanompoko die hiarake amin'ireo mpanomponao, 9mba hagnomagna hajo rahabe ho an'ahy, satria ny tragno ijay ho aorignako die ho lehibe sy mahajendagna.10 Io, iaho hagnome an'ireo mpanomponao, die ireo lelahy ijay hanapaka ny hajo, vary trikika roe aligna kora, vary hordea roa aligna kora, divay roa aligna bata, ary diloilo roa aligna bata.''11Ary Hirama mpanjakan'i Tyro, namaly an-tsoratre, ijay nalefany tagny amion'ny Solomona hoe: ''Satria Yaveh tia ny olony, die nagnano anao ho mpanjaka eo amin-dreo Ijy.''12 Fagnampin'ijany Hirama nijaka hoe: ''Isôrana anie Yaveh, ilay Andriamanitr'Israely, ijay nagnano ny lanitra sy ny tany, ijay nagnome janaka lahy hendre an'i Davida mpanjaka, natolotra tamim-pitandremana sy fahajavan-tsaigna, ijay hagnorigna tragno ho an'i Yaveh, ary tragno ho an'ny fanjakany.13Ary nagniraka lelahy manam-pahejana iaho, natolotre tamim-pahajavan-tsaigna, die i Horama, ilay matihaniko. 14Janake lahin'ny viavy irain'ireo janake vavin'i Dana ijy. Lelahy avy agny Tyro no iabany. Manam-pahejana amin'ny asa volamena, volafotsy, varahigna, vy, vato, sy amin'ny hajo, sy amin'ny volomparasy, manga, ary jaky volon'ondry, sy rongony fotsy madinika ijy. Manam-pahejana amin'ny karajagna sokitre sy karajagna famolavolana mandy koa ijy. Ôke hisy toerana ho an'ajy eo amin'ireo mpiasanao manam-pahejana, sy miaraka amin'ireo an'ny tompoko, die i Davida, iabanao.15Koa ankehitriny, ny vary sy ny vary hordea, ny diloilo sy ny divay, ijay nivorianin'ny tompoko, die ôke ho alefany agny amin'ireo mpanompony. 16Hanapaka hajo avy agny Libanona ahay, rahabe arak' ijay ilainao. Ho alefanay mitsingevaheva amin'ny ranomasina ho agny Jopa agny aminao ijany, ary anao no hampiakatra an'ijany agny Jerosalema.'' 17Nagnisa ireo vahiny abiaby ijay tao amin'ny tany Israely i Solomona, arake ny fomba nagnisan'i Davida, iabany, an-dreo. 153.600 no isan-dreo. 18Nanendry fito aligna tamin'ireo ijy mba hitondra entagna, valo aligna mba ho mpanapaka hajo agny an-tety, ary mpagnara-maso 3.600 mba hampiasa ny vahôke.
Chapter 3

1Avy eo i Solomona nanomboke nanangagnana ny tragnon'i Yaveh tao Jerosalema tagny amin'ny tetin'i Moria, ijay niboahan'i Yaveh tamin'i Davida iabany. Nagnomagna ilay toerana ijay efa nofidian'i Davida ho amin'ijany ijy, tao amin'ny famiham-barin'i Ornana ilay Jebosita. 2Nanomboke nagnambotre tamin'ny andro faharoan'ny volagna faharoa ijy, tamin'ny fahefa-taogna nanjakany. 3Ireto aby ny refin'ny fototre ijay nataon'i Solomona ho an'ny tragnon'Andriamanitra. Nampiasa ny hakiho taloha, enim-polo hakiho ny halavany, ary rôpolo hakiho ny sakagny.4Rôpolo hakiho ny halavan'ny lavarangagna eo alohan'ny tragno, mifagnarake amin'ny sakagn'ilay tragno. Rôpolo hakiho mandy koa ny haambony, ary nopetahan'i Solomona takela-bolamena madio ny tao agnatiny.5 Noravahany kypreso ny valin-drihan'ny efitragno lehibe, ijay nopetahany takela-bolamena tsara, ary nanôvany sokitre tamin'ny hajo palma sy rojo.6Noravahany tamin'ny vato sarobidy ilay tragno; ilay takela-bolamena die volamena avy agny Parvaima. 7Nopetahany takela-bolamena mandy koa ireo andriny, ireo tokonam-baravaragna, rindrigna, ary ireo varangaragna; nasiany sarina kerobima teo amin'ireo rindrignan'ijany.8Nagnambôtre ny fitoerana masina indrindrake ijy. Ny halavany die mifagnaraka amin'ny sakan'ny tragno, rôpolo hakiho mandy koa ny sakagny. nopetahany takela-bolamena madio ijany, ijay talenta eninjato. 9Ny lanjan'ireo fantsike die sekely volamena dimam-polo. Nopetahany takela-bolamena ny faritre ambony.10gnambôtre sarina kerobima roe tao amin'ny fitoerana masina indrindra ijy; nopetahan'ny mpanao asa tagnana takela-bolamena ireo. 11Rôpolo hakiho ny halavan'ny elatr'ireo kerobima miaraka; dimy hakiho ny halavan'ny elatry ny kerobima raike, manakatre ny rindrign'ny efitragno; dimy hakiho hôtran'ijany mandy koa ny elatre raike hafa, manakatre ny elatr'ilay kerobima hafa. 12Dimy hakiho mandy koa ny elany hafa, manakatre ny rindrin'ilay efitragno; dimy hakiho mandy koa ny elany hafa, mikasika ny elatr'ilay kerobima vôlohany.13Rôpolo hakiho ny fitambaran'ny elatr'ireo kerobima ireo. Nitsangagna ireo kerobima, ny tarehin-dreo magnadrify efitragno lehibe. 14Nataon'ny tamin'ny manga, volomparasy, sy volon'ondry mena ary rongony fotsy madinika ny lamba, ary nohaingoiny kerobima teo amin'ijany. 15Nagnano andry anankiroe mandy koa Solomona, telopolo hakiho ny haambon'ny kiraidraike, teo alohan'ilay tragno; dimy hakiho ny hahambon'ireo kapitaly ijay teo an-tampon'ireo. 16Nagnano rojo ho an'ireo andry ijy ary nametrake ireo teo an-tampon'ireo; nagnano ampongabendagnitre jato mandy koa ijy ary nampifandray ireo tamin'ireo rojo.17 Nataony teo alohan'ny tempoly ireo andry, raike teo an-kavanagna, ary ny raike hafa teo an-kavia; nangehany hoe Jakina ilay andry teo an-kavanagna, ary Boaza ilay andry teo an-kavia.
Chapter 4

1Ankôtr'ijay die nagnambôtre alitara varahigna ijy, rôpolo hakiho ny halavany, ary rôpolo hakiho ny sakagny. Folo hakiho ny haambony. 2Nataony vy mandy koa ny magnodidigna ny tavin-drano, folo hakiho ny molony. Dimy hakiho ny haambony, ary telopolo hakiho ny magnodidigna an'ilay tavin-drano. 3Ny ambanin'ny molotr'ilay tavin-drano magnodidigna die nisy aombilahy, folo isaky ny hakiho, natambatre ho raike miarake amin'ny tavin-drano laha efa vita ilay tavin-drano.4Nadoboke teo ambonin'ny aomby roe ambin'ny folo ny tavin-drano, ny telo mitodike miagnavaratre, ny telo mitodike miankandrefana, ny telo mitodike miagnatsimo, ary ny telo mitodike metsignana. Nadoboke teo an-tendron'ireo ny tavin-drano, ary nifagnila ny jorony efatran-dreo.5 Matevigna hôtran'ny vodivoam-pelatagnana ilay tavin-drano, ary ny molony die vôtefy hôtrin'ny molotra kapôke, hôtrin'ny vognin'ny lilia. 6Mahalany rano telo arivo bata ny tavin-drano. Nagnambotre koveta folo lehibe ho fanasana raha mandy koa ijy; nasiany dimy teo an-kavanagna, ary dimy teo an-kavia; fitôvana ampiasaina amin'ny fagnantanterahana ny fanatitra orôna no nosasana teo amin'ireo. ny tavin-drano koja, mba hisasan'ireo mpisorogna.7Nagnambotre ireo fasian-jiro volamena folo ijay natao arake ireo toromarike ho an'ny sary ijy; napetragny tao an-tempoly ireo, dimy teo amin'ny ankavanagna, ary dimy teo amin'ny ankavia. 8Nagnambotre latabatre folo ijy ka napetragny tao an-tempoly ireo, dimy teo amin'ny ankavanagna, ary dimy teo amin'ny ankavia. Nagnambôtre koveta volamena jato ijy.9Fagnampin'ijany die nagnambotre kianjan'ny mpisorogna sy kianja lehibe, ary varangaragn'ny kianja ijy; nopetahany varahigna ireo varangaran'ireo.10 Napetragny teo amin'ny ilany ankavanagn'ny tragno tagny atsignanana, mitodike miagnatsimo ilay tavin-drano.11Nagnambotre vilagny, lapelina fandrôfana, ary lovia famafajana i Hirama. Ka die vitan'i Hirama ny asa ijay nataony ho an'i Solomona Mpanjaka tao an-dragnon'nAndriamanitra: 12die ireo andry roe, kapitaly boribory ijay teo an-tampon'ny andry roe, ary fitoeran'ny hengo makarakara roe mba hagnarognana ireo kapitaly boribory roe ijay teo an-tampon'ireo andry. 13Efa nagnambôtre ampongambendagnitre efa-jato ho an'ireo hengo makarakara ijy: ampongambendagnitra roa an-dalagna isaky ny fitoeran'ny makarakara aby mba hanarogna ny kapitaly boribory roe ijay teo amin'ireo andry.14Nagnambôtre tsangànana sy koveta natao teo ambonin'ilay tsangànana mandy koa ijy; 15tavin-drano raike sy aomby roe ambin'ny folo eo ambaniny, 16ireo vilagny, lapelina fandrôfana, fitroboke, ary fitôvana hafa abiaby mandy koa. Nataon'i Hirama ilay matihanina tamin'ny varahigna voadio, ho an'i Solomona Mpanjaka, ho an'ny tragnon'i Yaveh ireo.17Narendriky ny mpanjaka teo amin'ny lemaky ny Jordana ireo, teo amin'ny tanimanga agnelagnelan'ny Sokota sy Zaretana. 18Die hôtran'ijany, no nagnamboaran'i Solomona ireo fanaka abiaby rahabe ireo; tsy afake nofantarina tokôtre ny lanjan'ny varahigna.19Nagnambôtre ny fanake abiaby ijay tao an-dragnon'Andriamanitra i Solomona, ny alitara volamena mandy koa, ary ireo latabatre ijay nametrahana ny mofon'ny fagnatrehana; 20ny fitoeran-jiro miarake amin'ny jiron'ireo, ijay vôtokagna ho orôna eo alohan'ny efitre agnatiny-ireo die vita tamin'ny volamena madio; 21ary ireo voninkajo, ireo jiro, ary ny lelan-jiro, die volamena, volamena madio.22 Ny fanapahan-jiro, ny koveta, ny fiteko, ary ditin-kajo magnitre fagnoro mandy koa die vita tamin'ny volamena madio aby koa. Ny amin'ny fidirana menga ao an-dragno, ireo varangaragna agnatiny menga ao amin'ny toerana masina indrindrake ary ny varangaragn'ny tragno, ijay an'ny tempoly, die vita tamin'ny volamena.
Chapter 5

1Laha efa vita ny asa abiaby ijay nataon'i Solomona ho an'ny tragnon'i Yaveh, die nampidirin'i Solomona ireo raha ijay efa natokagn'i Davida, iabany, ho an'ijany tanjogna ijany, agnisan'ijany ny volafotsy, ny volamena, ary ireo fanaka abiaby napetragny tao amin'ny fagnatsarejana tao an-dragnon'Andriamanitra ireo.2ie nampivorian'i Solomona, tagny Jerosalema, ireo loholon'Israely, ireo mpitarika ny foko abiaby, ary ireo mpitarike ny fianakavian'ny vahôkan'Israely, mba hampiakatre ny fiaran'ny faneken'i Yaveh avy eo amin'ny tanànan'i Davida, ijay i Ziona. 3Niangogna teo alohan'ny mpanjaka tamin'ny andro firavoravoana, ijay tamin'ny volagna fahafito ny olon'Israely abiaby.4Tonga ny loholon'Israely abiaby, ka die nampiakatre ny fiara ireo Levita.5 Nampekarin-dreo ny fiara, ny tragnolay fihôgnana, ary ny fanake masina abiaby ijay tao an-day. Ireo mpisorogna ijay avy tamin'ny fokon'i Levy no nampiakatre ireo raha ireo. 6Niara-tonga teo alohan'ilay fiara i Solomona Mpanjaka sy ny fiangonan'Israely abiaby, nagnano sorona ondry sy aomby ijay tsy tambo isaina.7Ireo mpisorogna die nampiakatre ny fiaran'ny faneken'i Yaveh ho ao amin'ny fitoerany, tao amin'ny toerana masina indrindrake, ambain'ireo elatry ny kerobima. 8Satria ny kerobima die namelatre ny elatran-dreo eo amin'ny fitoeran'ny fiara, ka nanarogna ilay fiara sy ireo bao ijay hilanjana an'ijany areo.9Ireo bao lava tokôtre ka hita avy ao amin'ny fitoerana masina alohan'ny efitre agnatiny ireo fiafarany, kanefa tsy hita avy agny ivelany ijany. Ao mandrak'androany ireo. 10Tsy nisy n'ino n'ino tao amin'ny fiara afa-tsy ireo vato fisaka roe ijay napetrak'i Mosesy tao tagny Horeba, tamin'ny Yaveh nagnano fanekena tamin'ny vahôkan'Israely, laha efa nivôke an'i Egypta areo.11Ary nivôke tao amin'ny fitoerana masina ireo mpisorogna, Ireo mpisorogna tonga abiaby die nanoka-tegna ho an'i Yaveh, tsy nandaha-tegna araky ny fijaran-dreo. 12Ireo Levita ijay mpihira mandy koa, ijy abiaby, agnisan'ijany i Asafa, Hemana, Jedotona, ary ireo janaka lahy sy rahalahin-dreo, nisikigna rongony fotsy madinike ary nitendry kipantsogna, harpa, sy lokanga, die nitsangagna teo amin'ny farany atsignanan'ny alitara. Nisy mpisorogna 120 nitsoke trompetre niaraka tamin-dreo. 13Ary nampiara-peo ireo mpitsoke trompetre sy ireo mpihira, nagnano feo tokagna mba ho regne ho fiderana sy fisôrana an'i Yaveh. Nanadratre ny feony tamin'ny trompetre sy kipantsogna ary raha magneno hafa areo, ka nidera an'i Yaveh. Nihira hoe: ''Fa tsara Ijy, satria maharitre mandrakijay ny tsy fivadiham-pagnekeny.'' Ary ny tragno, ilay tragnon'i Yaveh, die feno rahogna. 14Tsy afake nitsangagna mba hanompo ireo mpisorogna nohon'ny rahogna, satria nameno ny tragnony ny voninahitr'i Yaveh.
Chapter 6

1Die hoy Solomona hoe: '' Nambaran'i Yaveh fa hitoetre ao agnaty enjim-pito Ijy,2 kanefa efa nagnorigna tragno tsara tarehy ho Anao iaho, die toerana hitoeranao mandrakijay.''3 Die nihodigna ny mpanjaka ary nitso-drano ny fiangonan'Israelmy abiaby, laha mbola teo am-pitsangagnana ny fiangonan'Israely abiaby.4Hoy ijy hoe: ''Ho deraina anie Yaveh, ilay Andriamanitr'Israely, ijay nijaka tamin'i Davida iabako, ary nahatanteraka an'ijany tamin'ny tagnany mandy, nagnano hoe: 5'Lahatamin'ny andro nitondrako ny vahôkako nivôke avy tao amin'ny tany Egypta, die tsy nifidy tanàna teo amin'ny fokon'Israely abiaby mba hagnorenana tragno Iaho, mba hitoeran'ny agnarako ao. Ary tsy mba nifidy olo ho andriandahy eo amin'Israely oloko Iaho. 6Kanefa, nifidy an'i Jerosalema Iaho, mba hitoeran'ny agnarako ao, ary nifidy an'i Davida Iaho mba hanapaka eo amin'Israely oloko.'7Ary tao am-pon'i Davida iabako ny hagnorigna tragno ho an'ny agnaran'i Yaveh, ilay Andriamanitr'Israely. 8Fa hoy Yaveh tamin'i Davida iabako hoe: 'Fa nataonao tao am-ponao ny hagnorigna tragno ho an'ny agnarako, die tsara ny nanôvanao an'ijany tao am-ponao. 9Na ijany aja, die ôke tsy hagnorigna ilay tragno anao; fa koja, ny janakao lahy, ijay ho terake avy amin'ny voanao, no hagnorigna ilay tragno ho an'ny agnarako.'10Nontanterahin'i Yaveh ny jaka ijay efa nojakainy, satria nitsangagna handimby ny toeran'i Davida iabako iaho, ka mipetrake eo amin'ny seja fiandrianan'Israely, araka ny nampagnantenain'i Yaveh. Naoriko ho an'ny agnaran'ny Yaveh, ilay Andriamanitr'Israely ny tragno. 11Napetrako tao ilay fiara, ijay misy faneken'i Yaveh, ijay nataony tamin'ny vahôkan'Israely.''12tsangagna teo alohan'ny alitaran'i Yaveh i Solomona teo amin'ny fagnatrehan'ny fiangonan'Israely abiaby? ary namelatra ny tagnany.13 Fa nagnambotre sehatre varahigna ijy, ijay dimy hakiho ny halavany, dimy hakiho ny velarany, ary telo hakiho ny haambony. Napetragny teo agnivon'ny kianja ijany. Nitsangagna teo ambonin'ijany ijy ary nandohalika teo ankatrehan'ny fiangonan'Israely abiaby, ary avy eo namelatre ny tagnany nenga agny amin'ny lanitra ijy.14y ijy hoe: ''Ry Yaveh, Andriamanitr'Israely, tsy misy Andriamanitra hôtran'Anao na agny an-danitra na etoy an-tany, ijay mitagna fanekena sy fitiavana tsy mivadike amin'ireo mpanomponao ijay mandeha eo ankatrehanao amin'ny fony manontolo;15 Anao ijay efa nitagna ijay nampagnantenainao tamin'i Davida iabako mpanomponao. Eke, nijaka tamin'ny vavanao Anao ary notanterahinao tamin'ny tagnanao ijany, lahatamin'ny androany.16kehitriny ary, ry Yaveh, Andriamanitr'Israely, tanteraho ijay nampagnantenainao tamin'i Davida iabako mpanomponao, laha efa nijaka Anao hoe: Tsy ho fogna aminao ny hanagn'olo hidoboke eo amin'ny seja fendriagnan'Israely eo imasoko, laha toa ka mitandrigna ny handeha amin'ny lalàko ny taranakao, hôtran'ny nandehananao teo ankatrehako.' 17Ankehitriny ary, ry Andriamanitr'Israely, mivavaka iaho mba ho tanteraka ny fampagnatenana nataonao tamin'i Davida mpanomponao.18Fa tena honigna itoy an-tany miarake amin'ny janak'olombelogna tokôtre ve Andriamanitra? Io, ijao tontolo ijao sy ny lanitra aja tsy antognona Anao- menke ve fa itoy tempoly ijay naoriko itoy! 19Kanefa mba tenoy rô itoy vavaky ny mpanomponao sy ny fangatahany itoy ry Yaveh Andriamanitro; mba tenoy ny talaho sy ny vavaka ataon'ny mpanomponao eto ankatrehanao. 20Enga anie ka hisokatre amin'itoy tempoly itoy andro aman'aligna ny masonao, die ilay toerana ijay nampagnantenainao hametrahana ny agnaranao. Hiteno ny vavake ataon'ny mpanomponao magnatrike itoy toerana itoy anie Anao.21Koa tenoy ny fangatahan'ny mpanomponao sy ny Israely olonao laha efa mivavake magnatrike itoy toerana itoy ahay. Eke, mitenoa avy agny amin'ny toerana honegnanao, avy agny an-danitra; ary laha efa miteno Anao, die mamelà22Laha manota amin'ny akamany ny olo raike ka tsy mentsy hampanôvina fanta, ary laha tonga ijy ka magnano fanta eo ankatrehan'ny alitaranao ato amin'itoy tragno itoy, 23die mitenoa avy agny an-danitra ka miasà ary tsarao ireo mpanomponao, mba hamaly ny ratsy fagnahy, mba hampody ijay nataony ho eo amin'ny lohany mandy. Ambarao ho tsy manan-tsiny ny marina, mba hamaliana soa an'ajy nohon'ny fahamarinany.24Laha resin'ny fahavalo ny Israely olonao satria nanota taminao, ka laha mipody aminao areo, magneky ny agnaranao, mivavake, ary mangatake famelana avy aminao ato amin'itoy tempoly itoy- 25die mitenoa avy agny an-danitra rô ary mamelà ny fahotan'Israely olonao; indôsy mipody agny amin'ny tany ijay nomenao an-dreo sy ny rajambeny areo.26Laha mipegna ny lanitra ka tsy misy erike satria nanota taminao ny vahôke- laha mivavake magnatrike itoy toerana itoy areo, magneky ny agnaranao, ary miala amin'ny fahotany laha efa avy nampahorinao- 27die mitenoa agny an-danitra ary mamelà ny fahotan'ny mpanomponao sy ny Israely olonao, laha efa mampianatre an-dreo ny lalana tsara ijay tokony hombany Anao. Mandatsaha erike eo amin'ny taninao, ijay nomenao ho lovan'ny olonao.28Laha atao hoe misy mosary eo amin'ny tany, na atao hoe misy areti-mandringagna, fahamaignan'ny vary na maty fotsy, valala na sompanga; na atao hoe manafika ny vavahadin'ny tanàna ao amin'ny tanin-dreo ny fahavalony, na misy areti-mandringagna na faharariana- 29ary laha atao indraike hoe misy vavaka fangatahana nataon'ny olo raike na ny Israely vahôkanao manontolo-ijay samy mahalala ny aretigna sy ny alahelo agny am-pony aby laha mamelatre ny tagnany ho amin'itoy tempoly itoy ijy. 30Die mitenoa agny an-danitra, ilay toerana honegnanao; mamelà, ary valio soa ny olo abiaby nohon'ny lalagny abiaby; Anao mahalala ny fony, satria Anao die Anao mandy no mahalala ny fon'olombelogna. 31Atôvy ijany mba hatahoran-dreo Anao, mba handehanan-dreo amin'ny lalagnanao amin'ny andro abiaby iaignan-dreo ao amin'ilay tany ijay nomenao an'ireo rajambenay.32Ny amin'ireo vahiny ijay tsy isan'Israely olonao, kanefa -nohon'ny agnaranao lehibe, ny tagnanao mahery, ary ny sandrinao miampatre- die tonga sy mivavake magnatrike itoy tragno itoy, 33die mitenoa rô agny an-danitra, ijay toerana honegnanao, ary atôvy ijay abiaby angatahin'ilay vahiny aminao, mba hahafantaran'ny olo abiaby eto an-tany ny anaragnao ka hahatahoran-dreo ny agnaranao ka hahatahoran-dreo Anao, arake ny ataon'Israely olonao manokagna, ary mba hahafantran-dreo fa itoy tragno itoy ijay naoriko itoy die antsoina amin'ny agnaranao.34Laha atao hoe mandeha mivôke hiady amin'ny fahavalon-dreo ny olonao, n"ino n'ino fomba nandefasanao an-dreo, ary mivavake aminao magnatrike itoy tanàna ijay vôfidinao itoy areo, ary magnatrike ny tragno ijay naorignako ho an'ny agnaranao. 35Die mitenoa ny vavaka, sy ny fangatahan-dreo avy agny an-danitra, ary omeo rariny areo.36Laha atao manota aminao areo- satria tsy misy olo tsy manota- ary laha atao hoe vignitre amin-dreo Anao ka manolotre an-dreo ho eo amin'ny fahavalo, mba hitondran'ny fahavalo an-dreo sy hangalana an-dreo ho babo agny amin'ny tanin-dreo, na lavitre na akeky. 37Ary laha atao hoe tsaroan-dreo fa agny amin'ny tany ijay nanôvana sesin-tany an'ajy areo, ary laha atao hoe mibebaka areo ka mandrembe sitrake aminao agny amin'ny tany nahababo an-dreo. Laha mijaka areo hoe: 'Nagnano raha tsy nety ahay ary nanota. Ratsy fitondra-tegna ahay.' 38laha atao hoe mipody aminao amin'ny fony manontolo sy ny fagnahiny manontolo agny amin'ilay tanin'ny fahababoany areo, ijay nitondrany an-dreo ho babo, ary laha atao hoe mivavake amin'ny taniny areo, ijay nomenao ho an'ny rajamben-dreo, sy manandrify ny tanàna ijay nofidinao, ary manandrify ilay tragno ijay naoriko ho an'ny agnaranao. 39Die tenoy avy agny an-danitra, ilay toerana honegnanao, ny vavakan-dreo sy ny fangatahan-dreo famonjena, ary omeo ny rariny areo. Mamelà ny olonao, ijay nanota taminao.40 Ankehitriny, ry Andriamanitro, miangavy aminao iaho, ôke hisokatre ny masonao, aty ôke ny sofignao hiteno ny vavake ijay atao eto amin'itoy toerana itoy.41 Ankehitriny ary mitsangàna, ry Yaveh Andriamanitra, eo amin'ny toerana fitrihenao, Anao sy ny fiaran'ny tanjakao. Ôke ireo olo-masignao hiravo amin'ny fahatsaharanao. 42Ry Yaveh Andriamanitra, aja mpampihodigna ny tarehin'ilay vôhosotrao hiala aminao. Tsarovy ireo asan'ny tsy fivadiham-panekenao ho an'i Davida, mpanomponao.''
Chapter 7

1Ary laha efa avy nivavake Solomona, die nisy afo nijotso avy agny an-danitra ary nandevogna ireo fanatitre orôna sy ireo sorogna, ary nameno tragno ny voninahitr'i Yaveh. 2Tsy afaka niditre tao an-dragnon'i Yaveh ireo mpisorogna, satria heniky ny voninahiny ny tragnony.3 Nijaha aby koa ny vahôkan'Israely laha efa nilatsake ny afo ary teo amin'ilay tragno ny voninahitr'i Yaveh. Nampiankohoke ny tarehiny tamin'ny tany teo amin'ny rarivato areo, nivavake, ary nagnome fisôrana an'i Yaveh. Hoy areo hoe: ''Fa tsara Ijy, fa maharitre mandrakijay ny famindram-pony.''4Koa nanolotre sorogna ho an'i Yaveh ny mpanjaka sy ny vahôke abiaby.5 Nanolotre sorogna aombe roa arivo sy roe aligna sy ondry aman'osy 120.000 i Solomona Mpanjaka. Koa notokanan'ny mpanjaka sy ny vahôke abiaby ny tragnon'i Yaveh. 6Nitsangagna ireo mpisorogna, nitsangagna tegne amin'ijay nanompoany aby ny kiraidraike; ireo Levita mandy koa niaraka tamin'ireo raha-magnenon'i Yaveh, ijay nataon'i Davida mpanjaka mba hagnomejana fisôrana an'i Yaveh tao amin'ny hira magnano hoe: ''Fa maharitre mandrakijay ny fanekeny mahatoky.' Nampagneno ny trompetrany teo ankatrehan-dreo aby ny mpisorogna abiaby, ary nitsangagna aby koa ny Israely abiaby.7Nanokagna ny agnivon'ny kianja teo alohan'ny tragnon'i Yaveh i Solomona. Teo no nanolorany ilay fanatitre orôna sy ilay tavin'ny fanati-pihavanana, satria ny alitara varahigna ijay nataony die tsy hay hitajomana ny fanatitra orôna, ny fanatitra hohanina, ary ny sabora.8Nataon'i Solomona nandritry ny hafitoana ny firavoravoana tamin'ijany fotôgna ijany, ary ny Israely abiaby niaraka tamin'ajy, die fiangonana lehibe tokôtre, lahatagny Lebo Hamata ka lahatagny amin'ny lohasahan-driakan'i Egypta. 9Tamin'ny andro fahavalo die nagnano fivavahana magnetriketrike areo, satria nitajogna ny fanokanana ny alitara, sy ny firavoravoana nandritry ny hafitoana areo. 10Tamin'ny andro fahatelo amby rôpolon'ny volagna fahafito, die nampody ny vahôke tagny amin'ny tragnony tamim-pifaliana sy tamin'ny fo ravoravo i Solomona nohon'ny fahatsarana ijay nabôkan'i Yaveh tamin'i Davida, Solomona, ary ny Israely olony.11Hôtran'ijany no nahavitan'i Solomona ny tragnon'i Yaveh sy ny tragnony manokagna. Ny raha abiaby ijay avy tamin'ny fon'i Solomona mba hatao ao an-dragnony, die notanterahiny soa aman-tsara. 12Nibôke tamin'i Solomona i Yaveh ny aligna ary nijaka tamin'ajy hoe: ''Efa regniko ny vavakanao, ary efa nifidy itoy toerana itoy ho an'ny tegnako ho tragnon'ny sorogna Iaho.13Laha atao hoe magnapegna ireo lanitra mba tsy hisian'ny erike Iaho, na raha mandidy ireo valala handevogna ny tany, na laha mandefa aretigna eo amin'ny oloko Iaho, 14ary laha ny oloko, ijay nangehana amn'ny agnarako, no hagnetry tegnany, sy hivavaka, sy handrembe ny tarehiko, ary hiala amin'ny fomba ratsin-dreo, die haharegne agny an-danitra iaho, hamela ny fahotan-dreo, ary hagnasitragna ny taniny. 15Ankehitriny die hisokatre ny masoko ary ny sofiko hiteno tsara ireo vavaka ijay atao eto amin'itoy toerana itoy.16Fa ankehitriny die nifidy sy nanokagna itoy tragno itoy iaho mba ho eo mandrakijay ny agnarako. Ny masoko sy ny foko die ho eo isan'andro. 17Laha aminao, laha mandeha eo ankatrehako hôtran'ny nandehanan'i Davida iabanao anao, mankato ijay abiaby nandidiako anao ary mitandrigna ireo didy aman-dalàko, 18die hametrake ny seja fiandriagnan'ny fanjakanao iaho, arake ny nijakaiko tao amin'ny fanekena raike tamin'ny Davida iabanao, laha efa nijaka Iaho hoe: 'Tsy ho fôgna amin'ny taranakao ny ho mpanapake eo amin'ny Israely.'19Fa laha mivadike anao, ka mahafoy ireo lalàko sy ireo didiko ijay napetrako teo alohanao, ary laha manompo andriamani-kafa sy miankohoke eo amin'ijy iregne anao, 20die ho fongoriko hiala amin'ny taniko ijay nomeko an-dreo iregne. Itoy tragno ijay natokako ho amin'ny agnarako itoy, die hariako tsy ho eto ankatrehako, ary hataoko ho ohabolagna sy vazivazy eo amin'ireo olo abiaby ijany. 21Na die efa tsara tarehy tokôtre aja itoy tempoly itoy ijao, die ho tohigna sy hifioke ijay abiaby magnavasava an'ijany. Hagnontany areo hoe: 'Nagnino Yaveh no nagnano an'ijao tamin'itoy tany itoy sy tamin'itoy tragno itoy?' 22Ny hafa hamaly hoe: 'Satria areo nahafoy an'i Yaveh, Andriamanitran-dreo, ijay nitondra ny rajamben-dreo hiala avy tamin,'ny tany Egypta, ary nitajogna ireo andriamani-kafa sy niankohoke tamin-dreo sy nanompo an'ajy areo. Ijany no antony nitondran'i Yaveh ijao loja abiaby ijao eo amin-dreo.'''
Chapter 8

1ony afake rôpolo taogna, nandritre ny nagnamboaran'i Solomona ny tragnon'i Yaveh sy ny tragnony manokagna, 2die namboarin'i Solomona indraike ireo tanàna ijay nomen'i Hirama an'ajy, ary napetragny tao ny vahôkan'Israely.3Nanafike an'i Hamata-Zoba i Solomona ary nandresy an'ijany. 4Ary ijy nanangagna an'i Tadmora tagny an'efitre, sy ireo tanàna fagnasarejana abiaby, ijay naorigny tao Hamata.5Nanangagna an'i Beti-horona Ambony, sy Beti-horona Ambany, tanàna vôaro amin'ny manda, sy vavahady, ary vala vy mandy koa ijy. 6Nanangagna an'i Baleta sy ireo tanàna fagnasarejana abiaby ijay nanagnany ijy, sy ny tanàna abiaby ho an'ireo kalesiny sy ny tanàna ho an'ireo mpideba sôvaliny, sy ijay abiaby niriany hatsagagna arak'ijay tiany tao Jerosalema, tao Libanona, sy tao amin'ireo tany abiaby ambany fifihejany.7Ary ireo olo abiaby ijay sisa tabela avy tamin'ny Hetita, ny Amorita, ny Perizita, ny Hivita, sy ny Jebosita, ijay tsy an'Israely,8 ireo taranagny sisa tabela tafaran-dreo tagny amin'ny tany, ijay tsy naringan'ny vahôkan'Israely- die nataon'i Solomona mpiasa an-terivojogna, ijany areo mandrak'ankehitriny.9Na ijany aja, tsy nataon'i Solomona ho mpiasa an-terivojogna ny vahôkan'Israely. Fa koja, tonga miaramilany, sy mpifehiny, manam-pahefany, ary mpifehy ny tafiky ny kalesiny sy ny mpideba sôvalin-dreo. 10Ireo mandy koa no manam-pahefana lehibe mpandrindra ireo mpanaramaso ijay an'i Solomona Mpanjaka, 250 tamin-dreo, no nagnaramaso ny vahôke ijay nagnano ny asa.11Nindôsin'i Solomona nivôke ny tanànan'i Davida ho agny amin'ny tragno ijay namboariny ho an'ajy ny janake vavin'i Farao, fa hoy ijy hoe: ''Tsy mahajo mitoetra ao an-dragnon'i Davida mpanjakan'Israely ny vadiko, satria n'aja n'aja nihavian'ny fiaran'i Yaveh die masina.''12Avy eo Solomona nanolotre fanatitre orôna ho an'i Yaveh teo amin'ny alitarany ijay naorigny teo alohan'ny lavarangagna.13 Nanolotra sorogna arak'ijay notakian'ny fanao isan'andro ijy; nanolotra an'ireo ijy, nagnaraka ireo torolalagna hita tagnatin'ny didin'i Mosesy, tamin'ny andro Sabata, ny volagna vaovao, sy tamin'ny andro firavoravoana vôtondro in-telo mian-toagna: die ny andro Firavoravoana amin'ny Mofo tsy misy Masirasira, ny Herinandro Firavoravoanan'ny Fialofana.14Tamim-pitandremana ireo lalàn'i Davida iabany, no nanondroan'i Solomona ireo mpisorogna ho amin'ny asany, ary ireo Levita ho amin'ny fitoerany, mba hidera an'Andriamanitra sy hanompo eo alohan'ireo mpisorogna, araka ijay takian'ny fanao isan'andro. Ary nanendry ireo mpiandry vavahady tamin'ny fijarany isaky ny vavahady abiaby mandy koa ijy, fa ijany no efa nandidian'i Davida, ilay lelahin'Andriamanitra. 15Ary ireo vahôke ireo die tsy mba nivily tamin'ireo didin'ny mpanjaka tamin'ireo mpisorogna sy ireo Levita na tamin'ino na tamin'ino, na mahakasike ireo tragno fagnatsarejana.16Ireo asa abiaby nampanôvin'i Solomona die tontosa aby koa, lahatamin'ny andro nanoregnana ny fagnambanin'ny tragnon'i Yaveh ka mandra-pahavitan'ijany. Vita ny tragnon'i Yaveh. 17Avy eo Solomona nenga agny Ezion-gebera sy Elota, tegne amoron-dranomasin'ny tagny Edoma. 18Ary nandefasan'i Hirama sambo nindôsin'ireo manam-pahefana ijay tantsambo nanagna traikefa ijy. Niantsambo niaraka tamin'ireo mpanompon'i Solomona ho agny Ofira areo. Nangala talenta volamena 450 avy agny areo ijay nindôsiny tagny amin'i Solomona Mpanjaka.
Chapter 9

1Laha naharegne ny lajan'i Solomona ny mpanjaka vavin'i Sheba, die nenga agny Jerosalema ijy mba hitsapa an'ajy amin'ny fagnontaniana sarotre. Nandeha niarake tamin'ny mpagnano rodobe lava die lava, sy rameva nampilanjaina raha -marangitre, volamena rahabe, ary vatosoa sarobidy rahabe ijy. Laha efa tonga tagny amin'i Solomona ijy, die nambarany tamin'ajy aby koa ijay abiaby tao am-pony. 2Novalian'i Solomona aby koa ireo fagnontaniany abiaby; tsy die nisy sarotre lôtre ho an'i Solomona; tsy nisy fagnontaniana ijay tsy vôvaliny.3Laha hitan'ny mpanjaka vavin'i Sheba ny fahendren'i Solomona sy ny lapa ijay naorigny, 4nihinagna teo ambony latabany, ny fidobohan'ireo mpanompony, ny asan'ireo mpanompony ary ny sikignan-dreo, ireo mpitondra kapôkany sy sikignany mandy koa, ary ny fomba jay nanolorany ny fanatitra orôna tao an-dragnon'i Yaveh, die tsy nisy fagnahy koa tamin'ajy.5Die hoy ijy tamin'ny mpanjaka hoe:''Marina tokôtre, ny tatitre ijay regniko tagny amin'ny taniko momba ireo jakanao sy ny fahendrenao. 6Tsy nino ijay regniko iaho ambara-pahatongavako teto, ary ankehitriny die hitan'ny masoko ijany. tsy antsasany akory no nijakaina tamin'ahy momban'ny fahendrenao sy ny harenao! Nihoaranao ny laja ijay regniko7Endrey sambatre ny vahôkanao, ary sambatre ireo mpanomponao ijay efa teo ankatrehanao fehijay, satria maharegne ny fahendrenao areo. 8Isôrana anie Yaveh Andriamanitrao, ijay faly nandray anao, ijay nametrake anao teo amin'ny seja fendrianagny, mba ho mpanjaka ho an'i Yaveh Andriamanitrao. Satria ny Andriamanitrao efa nitia an'Israely, mba hametrahana an-dreo mandrakijay, die nataony ho mpanjaka teo amin-dreo anao, mba hanaovanao ny rariny sy fahamarinana!''9Nomeny talenta volamena 120 ny mpanjaka ary raha-magnitre sy vato sarobidy rahabe. Tsy nisy fatran-draha-magnitre rahabe noho ireo ijay nomen'ny mpanjaka vavin'i Seba ho an'i Solomona Mpanjaka mbola nomenao ho an'ajy indraike.10Ireo mpanompon'i Hirama sy ireo mpanompon'i Solomona, ijay nitondra volamena avy tagny Ofira, die nitondra hajo almoga sy vato sarobidy mandy koa.11 Tamin'ny hajo almoga, die nagnano dingagna ho an'ny tragnon'Andriamanitra sy ny tragnony ny mpanjaka, ary koa harpa sy lokanga ho an'ireo mpitendry. Tsy mbola nisy hajo hôtran'ijany ka hita tagny amin'ny tanin'ny Joda tagny aloha.12 Die nomen'i Solomona Mpanjaka ireo raha ijay niriany ny mpanjaka vavin'i Sheba, n'ino n'ino nangatahany, ho fagnampin'ijay efa nindôsiny tamin'ny mpanjaka. Koa die lasa ijy ary nipody tagny amin'ny taniny, ijy sy ireo mpanompony13y ny lanjam-bolamena tonga tagny min'i Solomona tao agnatin'ny herintaogna die talenta volamena 666,14 ankôtre ny volamena ijay nindôsin'ireo mpiserasera sy mpandranto. Ireo mpanjakan'i Arabia abiaby sy ireo governora tao amin'ny firenena mandy koa die nitondra volamena sy volafotsy ho an'i Solomona.15Nagnambôtre ampinga volamena vôfantigna lehibe rônjato i Solomona Mpanjaka. Sekely volamena eninjato nomena ho an'ny kiraidraike.16 Nagnambôtre apinga volamena vôfantigna telonjato mandy koa ijy. Mina volamena telo no nagnarognana ny apinga kiraidraike; napetraky ny mpanjaka tao amin'ny Lapan'ny Alan'i Libanona ireo.17Avy eo ny mpanjaka nagnambôtre seja fendriagnana ivoara lehibe ary nopetahany takela-bolamena tena manify indrindrake ijany. 18Dingagna enina no nenga eo amin'ny seja fendriagnana, ary boribory ny tao afaran'ny tampon'ny seja fendrianagna. Nisy fitehenan-tagnana teo amin'ny andanin'ny fidobohana kiraidraike, ary nisy liogna roe nitsangagna teo amin'ireo andagnin'ny fitihegnan-tanana.19Liogna roe ambin'ny folo no nitsangagna teo amin'ireo dingagna, raike isaky ny dingagna enina. tsy mbola nisy seja fendriagnana hôtrany itoy tagny amin'ny fanjakana hafa. 20Volamena aby koa ireo kapôke finoman'i Solomona Mpanjaka, ary ny kapôke finomana abiaby tao amin'ny Tragnon'ny Alan'i Libanona die volamena tsy mifangaro aby koa. Tsy nisy volafotsy satria tsy noheverina ho sarobidy ny volafotsy tamin'ny andron'i Solomona. 21Ny mpanjaka die nanagna sambo mpandeha an-dranomasina, niarake tamin'ireo sambon'i Hirama. Indraike mandeha isan-telo taogna no nitondran'ny sambo volamena, volafotsy, ary ivoara, mbamin'ireo rajako sy varike.22Noho ijany die nihôtre ireo mpanjaka abiaby eran'ijao tontolo ijao tamin'ny harena sy fahendrena i Solomona Mpanjaka. 23Ijao tontolo ijao die nandrembe ny fagnatrehan'i Solomona mba haharegne ny fahendreny, ijay efa napetrak'Andriamanitra tao am-pony. Ireo ijay nitsidike die nitondra rakitre, fanaka24 volafotsy sy volamena, sikigna, ferovana, ary raha magnitre, ary sôvaly sy apondra, isan-taogna.25nagna fihinanam-bilogna efatre arivo ho an'ireo sôvaly sy ireo kalesy i Solomona, ary mpideba sôvaly roe arivo sy iray aligna, ijay natobiny tao amin'ny tanànan'ny kalesy sy niaraka tamin'ajy tagny Jerosalema. 26Nanapake teo amin'ireo mpanjaka abiaby lahatagny amin'ny Ranoben'i Eofrata ka lahatagny amin'ny tanin'ny Filistina ijy, ary lahatagny amin'ny sisin-tanin'i Egypta.27Nanagna volafotsy tagny Jerosalema ny mpanjaka, rahabe noho ireo vatosoa tegne amin'ny tany. nagnambôtre hajo sedera rahabe noho ireo hajo amontagna aviavy ijay tao amin'ny tany lemake ijy.28 Nitondra sôvaly ho an'i Solomona avy agny Egypta sy avy agny amin'ny tany abiaby areo. 29Ny amin'ireo raharaha hafa mahakasike an'i Solomona, vôlohany sady farany, tsy efa vôsoratre tao amin'ny Tantaran'i Natana mpaminany, tao amin'ny Faminanian'i Ahija ilay Silonita, sy tao amin'ny fahitan'Ido mpahita mahakasike an'i Jeroboama janaka lahin'i Nebata ve ijany?30 Nanjaka teo amin'Israely abiaby nandritry ny efapolo taogna i Solomona. 31Nody mandry niarake tamin'ireo rajambeny ijy ary ny vahôke nandevigna an'ajy tagny amin'ny tanànan'i Davida iabany. Rehoboama, janake lahiny, no tonga mpanjaka nadimby ny toerany.
Chapter 10

1enga agny Sekema i Rehoboama, satria tonga tagny Sekema mba hagnano an'ajy ho mpanjaka ny Israely abiaby. 2Ary regnin'i Jeroboama janake lahin'i Nebata ijany(satria tagny Egypta ijy, tagny amin'ijay efa nilefany hiala teo amin'ny fagnatrehan'i Solomona Mpanjaka, nefa efa nipody avy agny Egypta i Jeroboama).3oa nandefa sy nampangaike an'ajy areo, ary tonga Jeroboama sy ny Israely abiaby; nivoria tamin'i Reoboama areo ka nagnano hoe: 4''Nagnasarotre ny jioganay i iabanao. Koa ankehitriny, hamoray ny asa mafin'ny iabanao, ary hamaivagno ny jioga mavesatre ijay napetrany teto aminay, die hanompo anao ahay. 5''Hoy Rehoboama tamin-dreo hoe: ''Mipodiana indraike eto amin'ahy afake telo andro. ''Ka dia lasa ireo vahôke.6Nangala hevitre tagny amin'ireo jokiolo ijay nitsangagna teo ankatrehan'i Solomona iabany fony fahavelogny i Rehoboama mpanjaka; hoy ijy hoe: ''Ahôna no hanoroanareo hevitre an'ahy mba hitondrako valin-teny eo amin'ireo vahôke ireo?''7 Nivoria tamin'ajy areo ka nijaka hoe: ''Laha tsara amin'ireo vahôke ireo anao ary mahafinaritre an-dreo, mijaka jaka tsara amin-dreo, die ho mpanomponao mandrakijay areo.''8Kanefa tsy norarahian'i Rehoboama ny torohevitra ijay nomen'ireo jokiolo an'ajy, ary nangala hevitre tagny amin'ireo jalahy ijay niara-lehibe tamin'ajy ijy, ijay nitsangagna teo ankatrehany. 9Hoy ijy tamin-dreo hoe: ''Ino no torohevitre homenareo an'ahy, mba hahafahantsena mamaly ny vahôke ijay nivoria tamin'ahjy ka nijaka hoe: 'hamevagno ny jioga ijay napetraky ny iabanao taminay'?''10Ireo jalahy niara-lehibe tamin'i Rehoboama nijake tamin'ajy, nagnao hoe: ''Hôtran'ijao no tokony havalinao ireo vahôke ijay nijaka taminao fa i Solomona iabanao die nampavesatre ny jiogan-dreo, ka tokony hamaivaignanao ijany. Ijao no tokony ho jakainao an-dreo: 'Ny ankihikeliko die matevigna nohon'ny andilagnin'ny abako. 11Koa ankehitriny, na die novesarin'iabako tamin'ny jioga mavesatre aja anareo, die mbola hagnampy ny jioganareo iaho. Iabako nagnasajy anareo tamin'ny karavasy, fa iaho iaho hagnasazy anareo amin'ny mengoke.'''12Ka die nandeha nenga agny amin'i Rehoboama i Jeroboama sy ny vahôke abiaby tamin'ny andro fahatelo, araka ny nijakain'ny mpanjaka hoe: ''Mipodiana atoy amin'ahy amin'ny andro fahatelo.''13 Nijaka mahare an-dreo i Rehoboama, tsy niraharaha ny torohevitr'ireo jokiolo. 14Nijaka tamin-dreo arake ny torohevitr'ireo jalahy ijy, nagnano hoe: ''Nagnavesatre ny jiognanareo iabako, fa iaho hagnampy an'ijany. Iabako nagnasajy anareo tamin'ny karavasy, fa iaho hagnasajy anareo amin'ny mengoke.''15Noho ijany die tsy nitenoan'ny mpanjaka ny vahôke, fa ijany die fagnovana tamin'ireo tranga nindôsin'Andriamanitra, mba hahafahan'i Yaveh magnantanterake ny jakany ijay nojakain'i Ahia ilay Silonita tamin'i Jeroboama janaka lahin'i Nebata.16Laha efa hitan'Israely abiaby fa tsy niteno an-dreo ny mpanjaka, die namaly an'ajy ny vahôke ka nijaka hoe: ''ino no anjaranay amin'i Davida? Tsy managna lova ao amin'ny janake lahin'i jese ahay! Ny kiraidraike aminareo die tokony hipody agny an-dainy aby ny Israely. 17Fa laha ny amin'ireo olo nonigna, tagny amin'ireo tananan'i Joda, die i Rehoboama no nanjaka teo amin-dreo. 18Ary Rehoboama Mpanjaka nandefa an'i Adorama, ijay nanapaka teo amin'ireo mpagnano asa an-terivojogna, nefa ny vahôkan'Israely nitily vato an'ajy ho faty. Ary nitsôke malaky tamin'ny kalesiny ho agny Jerosalema i Rehoboama mpanjaka.19 Noho ijany die tao agnatin'ny fikomiana nanohitre ny taranak'i Davida ny Israely mandrak'androany.
Chapter 11

1laha efa tonga tagny Jerosalema i Rehoboama, die nangogniny ny taranak'i Joda sy Benjamina, lelahy miaramila vôfidy 180000, mba hiady amin'Israely, mba hagnapody amin'ny lôniny ny fanjakana ho an'i Rehoboama.2Kanefa tonga amin'i Semaia ilay lelahin'Andriamanitra ny jakan'i Yaveh, nagnano hoe: 3''Jakao i Rehoboama janaka lahin'i Solomona, mpanjakan'i Joda sy Benjamina hoe: 4'Ijao no jakain'i Yaveh: ''Aja manafika na manangagna ady amin'ireo rahalahinareo anareo. Ny olo abiaby die tsy mentsy mipody agny amin'ny fonegnany aby, fa iaho efa nampitranga an'ijany.''' Koa die nankato ny jakan'i Yaveh areo ka nipody tsy ho amin'ny fanafihana an'i Jeroboama.5Nonigna tao Jerosalema i Rehoboama ka nanangagna tanàna tao Joda ho ferovana. 6Nanangagna an'i Betlehema, Etama, Tekoa, 7Beti-Zoro, Soko, Adolama, 8Gata, Maresaha, Zifa, 9Adoraima, Lakisy, Azeka, 10Zora, Aialona, ary Hebrona ijy. Ireo no tanàna mimanda tagny Joda sy Benjamina.11Nagnamafy ireo manda ijy ka nametraka mpifehy tao amin'ireo, niarake tamin'ny fitoeran-kanina, diloilo, ary divay.12 Mametrake apinga sy lefogna tagny amin'ny tanàna abiaby ijy ka nagnamafy ireo tokôtre. Ka lasany i Joda sy Benjamina13Ireo mpisorogna sy ireo Levita ijay tao amin'Israely abiaby die nagnatogna an'ajy aby tao amin'ny faritaniny. 14Fa ireo Levita niala tamin'ireo tany fihinanam-bilogny sy ny tragno sy ny tanin-dreo mba handehanana agny Joda sy Jerosalema, satria efa noroahin'i jeroboama sy ireo janaka lahiny areo, mba tsy hahafahan-dreo magnano ireo adidy amin'ny maha-mpisorogna ho an'i Yaveh koa. 15Jeroboama die nanendry mpisorogna ho an'ajy ho amin'ny fiotoerana agnambo sy osy ary sarin-janak'aomby ijay efa namboariny.16Ny vahôke avy tamin'ireo fokon'Israely abiaby die tonga tafaran-dreo, ireo ijay nanefy ny fony handrembe an'i Yaveh, ilay Andriamanitry ny Israely; tonga tao Jerosalema areo mba hagnano sorogna ho an'i Yaveh, ilay Andriamanitry ny rajamben-dreo. 17Koa die nohamafisin-dreo ny fanjakan'i Joda ary nagnamafy an'i Rehoboama janaka lahin'i Solomona nandritry ny telo taogna, ka nandeha tamin'ny lalagn'i Davida sy Solomona nandritry ny telo taogna areo.18ngala vady ho an'ajy Rehoboama: die i Mahalota, ilay janaka vavin'i Jerimota, janaka lahin'i Davida, sy Abihaila, ilay janaka vavin'i Eliaba, janaka lahin'i Jese.19 Namaitre janaka lahy tamin'ajy ijy: die i Jeosy, Semaria, ary Zahama.20Tafaran'i Mahalota, die nangala an'i Maka, janaka vavin'i Absaloma, i Rehoboama; namaitre an'i Abia, Atahy, Ziza, ary Selomita tamin'ajy ijy.21 Rehoboama nitia an'i Maka, janaka vavin'i Absaloma, nihôtre ireo vadiny hafa sy ireo vaditsindranony abiaby( nangala vady viavy valo ambin'ny folo sy vaditsindrano enim-polo ijy, ka lasa iaban'ny janaka lahy valo amby rôpolo sy janaka vavy enim-polo).22Rehoboama nanendry an'i Abia janaka lahin'i Maka ho lehibe, mpitarike eo amin'ireo rahalahiny; efa nanan-kevitre ny hagnano an'ajy ho mpanjaka ijy.23 Nanapaka tamim-pahendrena i Rehoboama; nampiely ireo janagny lahy abiaby naneragna ny tanin'i Joda sy Benjamina abiabyho agny amin'ny tanàna mimanda abiaby ijy. Nagnome hanina be ho andreo mandy koa ijy ary nandrembe vady rahabe ho an-dreo.
Chapter 12

1Ary tamin'ijany, laha efa tafapetrake ny fanjakan'i Rehoboama ary natanjaka ijy, die nahafoy ny lalàn'i Yaveh- sy ny Israely abiaby niaraka tamin'ajy ijy.2Nibôke ijany tamin'ny taogna fahadimy nanjakan'i Rehoboama mpanjaka, fa i Sisaka, mpanjakan'i Egypta, niakatre hanohitre an'i Jerosalema, satria namadika an'i Yaveh ny vahôke. 3Tonga niarake tamin'ny kalesy rônjato sy arivo sy mpideba sôvaly enin'aligna ijy. Miaramila tsy hita isa no tonga niaraka tamin'ajy avy tagny Egypta: ireo Lobita, Sokita, ary ireo Etiopiana.4 Nalainy ireo tanàna vôaro mafy ijay an'i Joda ary nenga agny Jerosalema.5Ary Semaia mpaminany tonga tagny amin'i Rehoboama sy ireo mpitarike an'i Joda ijay niara-nivondrogna tao Jerosalema noho i Sisaka. Hoy Semaia tamin-dreo hoe: '' Ijao no jakain'i Yaveh: Anareo efa nahafoy an'ahy, ka die efa natolotro ho eo an-tagnan'i Sisaka mandy koa anareo. '' 6Die nagnetry tegna ireo andriandahin'Israely sy ny mpanjaka ary nagnano hoe: ''Marina Yaveh.''7Ary laha efa hitan'Yaveh fa nagnetry tegna areo, die tonga tamin'i Semaia ny jakan'i Yaveh, nagnano hoe: ''Efa nagnetry tegna areo. Tsy handrigagna an-dreo Iaho; fa hamonjy an-dreo amin'ny fandrignana, ary tsy hilatsaka eo amin'i Jerosalema amin'ny alalan'ny tagnan'i Sisaka ny havignirako. 8Na ijany aja, die ho mpanompony areo mba hahatakaran-dreo hoe Ahôna ijany manompo an'Ahy sy manompo ireo mpitondra ireo firenen-kafa ijany.''9Ary Sisaka, mpanjakan'i Egypta niakatra hanohitre an'i Jerosalema ka nangala ireo harena tao an-dragnon'i Yaveh, sy ireo harena tao an-dragnon'ny mpanjaka. Nalainy aby koa ny raha abiaby; nindôsiny mandy koa ireo apinga volamena ijay nataon'i Solomona.10 Nagnano apinga varahigna teo an-toeran'ireo i Rehoboama Mpanjaka ary nanankigna ireo tanàna ireo teo an-tagnan'ireo mpifehy ny mpiambigna, ijay niambigna ireo varangaragn'ny tragnon'ny mpanjaka.11Nitranga ijany isaky ny niditre tao an-dragnon'i Yaveh ny mpanjaka, ka nitondra an'ijany ireo mpiambigna; avy eo areo nitondra an'ijany nipody tagny amin'ny tragno fiambenana. 12Laha efa nagnetry tegna i Rehoboama, die niala tamin'ajy ny havigniran'i Yaveh, mba tsy handringagna an'ajy tanterake; ankôtran'ijany, mbola nisy fahatsarana hita mandy tao amin'i Joda.13Ary Rehoboama Mpanjaka nitondra hery ho an'ny fanjakany tao Jerosalema, die hôtran'ijany no nanjakany. Iraika amby efa-polo taogna Rehoboama laha nanomboka nanjaka, ary nanjaka nandritry ny fito ambin'ny folo taogna tao Jerosalema, ilay tanàna ijay nofidian'i Yaveh tamin'ny fokon'Israely abiaby ijy mba hahafahany mametraka ny agnarany ao. Ny agnaran'ny endriny die Nama, ilay Amonita. 14Nagnano ijay ratsy ijy, satria tsy nanefy ny fony mba handrembe an'i Yaveh. 15Ary ny amin'ireo hafa mahakasika an'i Rehoboama, vôlohany sady farany, moa ve iregny tsy efa vôsoratre ao amin'ny asa soratr'i Semaia mpaminany sy Ido ilay mpahita, ijay managna ny fireketana an-tsoratre ireo teti-haragna mandy koa ary ireo ady lava teo amin'ny Rehoboama sy Jeroboama? 16Nodimandry tagny amin'ireo rajambeny i Rehoboama ary nalevigna tao an-tanànan'i Davida; Abia janagny lahy no tonga mpanjaka teo amin'ny toerany.
Chapter 13

1amin'ny taogna fahavalo nanjakan'i Jeroboama Mpanjaka, die nanomboke nanjaka teo amin'i Joda i Abia. 2Nanapaka nandritry ny telo taogna tagny Jerosalema ijy; Maka ny agnaran'ny endriny, ilay janaka vavin'i Oriela avy agny Gibea. Nisy ady teo amin'i Abia sy Jeroboama. 3Abia nandeha niady niaraka tamin'ny tafika matanjaka raike, die miaramila mahery fo, lelahy vôfidy 400.000. Ary Jeroboama nandahatre lelahy vôfidy, matanjaka, miaramila mahery fo 800000 hiady hanohitre an'ajy.4Nitsagnana teo an-tety Zemaraima, ijay tao amin'ny tany ambon'i Efraima i Abia, ary nagnano hoe: ''Tenoy iaho, ry Jeroboama sy ry Israely abiaby! 5Tsy fantatrareo ve fa Yaveh, ilay Andriamanitr'Israely,no nagnome an'i Davida ny fanapahana teo amin'Israely mandrakijay, die ho an'ajy sy ireo janagny lahy tamin'ny fanekena ara-dalàna?6efa Jeroboama janaka lahin'i Nebata, ilay mpanompon'i Solomona janaka lahin'i Davida, die efa nitsangagna ary nikomy nanohitre ny tompony. 7Ireo lelahy tsy mendrike, ireo akama ratsy fitondran-tegna, no nikambagna tamin'ajy. Tonga hanohitre an'i Rehoboama janaka lahin'i Solomona areo, fony mbola tanora sy tsy nanagna traikefa ary tsy nahavita nanohitre an-dreo i Rehoboama.8Ankehitriny anareo mijaka fa mahatohitre ny fitondrana maherin'i Yaveh eo an-tagnan'ireo taranak'i Davida. tafike lehibe anareo, ary miaraka aminareo ireo janak'aomby volamena ijay nataon'i Jeroboama ho andriamanitra ho anareo. 9Tsy efa nandrôke ireo mpisorogn'i Yaveh, die ireo taranak'i Arona, sy ireo Levita ve anareo? tsy efa nagnano mpisorogna ho an'ny tegnanareo tamin'ny fomban'ireo mponin'ny tany hafa ve anareo? N'ija n'ija tonga mamasin-tegna miarake amin'ny janak'aomby sy ondrilahy fito ho lasa mpisorogn'ireo ijay tsy andriamanitra anie ijy.10Fa laha ny aminay, Yaveh no Andriamanitray, ary mbola tsy nahafoy an'Ajy ahay. Managna mpisorogna ahay taranak'i Arona, manompo an'i Yaveh, sy ireo Levita, ijay amin'ny asan-dreo.11 Isa-maraigna sy isan-kariva die magnoro fanatitre orôna sy ditin-kajo mani-pofogna ho an'Yaveh areo. Mandamigna ny mofon'ny fagnatrehana eo amin'ny latabatre madio mandy koa areo; mikarakara ny fasian-jiro volamena mbamin'ireo jirony mandy koa areo, mba harehitre isakin'ny tsondrognanadro. Mitadrigna ireo didin'Yaveh, Andriamanitray ahay, nefa anareo nahafoy An'Ajy.12Io, Andriamanitra die miarake aminay eo alohanay, ary ireo mpisorogny die eto miarake amin'ny trompetra mba hampagnenoana fanerana ho anareo. Ry vahôkan'Israely, aja miady amin'i Yaveh, ilay Andriamanitry ny rajambenareo, fa tsy hahomby anareo13nefa Jeroboama nagnomagna famelejana tampoke tafaran-dreo; teo alohan'i Joda ny tafiny, ary tafaran-dreo ny otrike. 14Laha efa nitodike i Joda, die io, sady teo anoloan-dreo no tao afarany ny ady. Nitaraigna tamin'i Yaveh areo, ary nitsoke ny trompetra ireo mpisorogna. 15Die nitifitre ireo lelahin'i Joda; laha igny nitifitre igny areo, die namely an'i Jeroboama sy ny Israely abiaby teo alohan'i Abia sy Joda Andriamanitra.16Nilefa teo alohan'i joda ny vahôkan'Israely, ary natolotr'Andriamanitra teo an-tagnan'i Joda areo. 17Novonoin'i Abia sy ny tafiny tamin'ny famonoana lehibe areo; ka lelahy vôfidy 500000 tamin'Israely no lavo ka maty. 18Tamin'ijany fomba ijany, no nandresen'ny vahôkan'Israely tamin'ijany fotôgna ijany; nandresy ny vahôkan'i Joda satria niankigna tamin'i Yaveh, ilay Andriamanitr'ireo rajambeny areo.19 Nanjahin'i Abia i Jeroboama; nalainy tamin'ajy ireo tanàna: die i Betela niaraka tamin'ireo jana-bohiny, Jesana niarake tamin'ireo Jana-bohiny, ary Efrona niaraka tamin'ireo jana-bohiny. 20Tsy nihanahery koa Jeroboama nandritry ny andron'i Abia; namely an'ajy i Yaveh, ka maty ijy. 21Fa Abia koja nihanatanjaka; nangala vady efatra ambin'ny folo ijy ary namaitre roe amby rôpolo lahy sy enina ambin'ny folo vavy.22 Ny ambin'ireo asa lehibe vitan'i Abia, ny fitondran-tegnany sy ireo jakany die vôsoratre ao amin'ny fanehoan-kevitr'i Ido mpaminany.
Chapter 14

1Nodimandry tagny amin'ireo rajambeny i Abia, ary nalevin-dreo tao amin'ny tanànan'i Davida ijy. 2Asa, janaka lahiny, no tonga mpanjaka nandimby ny toerany. tamin'ny androny die nangigna nandritry ny folo taogna ny tany. Nagnano ijay tsara sy marina teo imason'i Yaveh Andriamaniny i Asa, 3satria nalainy ireo alitara vahiny sy ireo fitoerana agnambo. Noravainy ireo andrim-bato ary notapahany ireo baon'Aseraha. 4Nandidy an'i Joda ijy mba hitady an'i Yaveh, Ilay Andriamanitry ny rajamben-dreo, sy hanatanteraka ireo didy aman-dalàna.5Nalainy mandy koa ireo fitoerana agnambo sy ireo alitaran'ny ditin-kajo magnitre avy tamin'ireo tanànan'i Joda abiaby. Nitrehe teo ambaniny ny fanjakana. 6Nanangagna tanàna mimanda tagny Joda ijy, satria nangigna ny tany, ary tsy nanagn'ady ijy tamin'ireo taogna ireo, satria nagnome fedagnana an'ajy i Yaveh.7Fa Asa nijaka tamin'i Joda hoe: ''Ôke antsena hagnorigna ireo tanàna ireo ary hagnisy manda magnodidigna an-dreo, sy tilikambo, vavahady, ary hidiny lavalava; mbola antsena ny tany satria efa nadrembe an'Yaveh Andriamanitsena antsena. Efa nandrembe an'Ajy antsena, ary nagnome fedagnana antsena tamin'ny lafiny abiaby Ijy.'' ka die nagnorigna areo ary nahomby. 8Nanagna tafike raike ijay nitajogna apinga sy lefogna i Asa; avy tamin'ny Joda die nanagna lelahy 300000 ijy, ary avy tamin'ny Benjamina, lelahy 280000 ijay nitagna apinga sy tsipika. Natanjaka ireo abiaby ireo, lelahy be herim-po.9Ary Zera ilay Etiopiana tonga nanohitre an-dreo niarake tamin'ny tafike miaramila raike tapitrisa sy kalesy telon-jato; tonga tagny Maresa ijy. 10Die nivôke hitsena an'ajy i Asa, ary nandamigna ny laharan'ady tagny an-dohasahan'i Zefata tagny Maresa areo. 11Nitalaho tamin'i Yaveh Andriamaniny i Asa, ary nagnano hoe: ''Ry Yaveh, tsy misy afa-tsy Anao no hagnampy ijay tsy manan-kery laha efa miatrike raha maro ijy. Ampio Ahay, ry Yaveh Andriamanitray, satria mentehitre Aminao ahay, ary amin'ny Agnaranao no hahatongavanay hanohitre ireo rahabe ireo. Ry Yaveh, Anao no Andriamanitray; aja abela ho resin'ny olo Anao.''12Ka die namely ireo Etiopiana teo ankatrehan'i Asa sy Joda i Yaveh; ka nilefa ireo Etiopiana. 13Nagnanjaka an-dreo lahatagny Jerara i Asa sy ireo miaramila niaraka tamin'ajy. Noho ijany die Etiopiana rahabe no lavo ka tsy afake narovan-dreo, satria ringagna tanterake teo ankatrehan'i Yaveh sy ny tafiny areo. Nitondra babo rahabe ny tafike. 14Naringagn'ny tafike ireo tanàna abiaby nagnodidigna an'i Jerara, satria tonga tamin'ireo mponina ny horohoron'i Yaveh. Nobaboin'ny tafike ireo tanàna abiaby, ka nisy babo rahabe tao amin-dreo. 15Naringan'ireo tafike mandy koa ireo fonegnan-dain-dreo mpiandry mpifindra monigna; nitondra ondry rahabe, sy rameva areo, ary avy eo nipody tagny Jerosalema.
Chapter 15

1Tonga tamin'i Azaria janaka lahin'i Odeda ny fanahin' Andriamanitra. 2Nivôke hitsena an'i Asa ijy ary nagnano tamin'ajy hoe: ''Tenoy iaho, ry Asa, sy Joda ary ny Benjamina abiaby: momba anareo Yaveh, laha miaraka amin'ajy anareo. Laha mandrembe an'Ajy anareo, die ho hitanareo Ijy; fa laha mahafoy an'Ajy anareo, die hafoiny.3Ary nandritry ny fotôgna naharitre, die tsy nanagna ilay Andriamanitra marina ny Israely, tsy nanagna mpisorogna nampianatre, ary tsy nanagna ny lalàna.4 Fa laha efa nitodike tamin'i Yaveh, ilay Andriamanitr'Israely areo tamin'ny androm-pahorian-dreo, ary nandrembe an'Ajy, die hitan-dreo Ijy. 5Tamin'ijany fotôgna ijany die tsy nisy fedagnana ho an'ijay nandeha lavitre, na ho an'ijay nandeha nenga atoy; fa koja, fikorontagnana lehibe no tamin'ireo mponin'ny tany abiaby.Potipotike areo, firenena nanohitre firenena, ary tanàna nanohitre tanàna, satria nampijalian'Andriamanitra tamin'ireo karajagna fijaliana abiaby areo.7 Fa mahereja, ary aja abela haleme ny tagnanareo, fa ho valiana soa ny asanareo.''8Laha efa regnin'i Asa ireo jaka ireo, ny faminanian'i Odeda mpaminany, die nanagna herim-po ijy ary nangala ireo raha mahatsiravigna hiala tamin'ny tanin'i Joda sy Benjamina abiaby, ary tamin'ireo tanàna ijay babony avy tamin'ny tany ambon'i Efraima, ary nagnapody nagnambôtre ny alitaran'i Yaveh ijy, ijay teo alohan'ny lavarangagn'ny tragnon'i Yaveh. 9Nangoniny ny Joda sy Benjamina abiaby, sy ireo ijay nijanogna niarake tamin-dreo-olo avy tamin'i Efraima sy Manase, ary avy tamin'i Simeona. Fa maro agn'isa areo no nagnatogna an'ajy avy agny Israely, laha efa hitan-dreo fa nomba an'ajy Yaveh Andriamaniny10ho ijany die niara-niangogna tao Jerosalema areo tamin'ny fahatelon'ny volagna, tamin'ny faha-dimy ambin'ny folo taogna nanjakan'i Asa. 11Nagnano sorogna ho an'i Yaveh tamin'ny saragny tamin'ireo babo ijay nindôsin-dreo tamin'ijany andro ijany areo: omby fiton-jato sy ondry aman'osy fito arivo.12Nagnano fifanekena mba hitady an'i Yaveh, ilay Andriamanitry ny rajambeny areo, tamin'ny fon-dreo manontolo sy tamin'ny fagnahin-dreo manontolo.13 Nagneky areo fa n'ija n'ija nandà ny handrembe an'i Yaveh, ilay Andriamanitr'Israely, die tokony vonoina ho faty, na kely na lehibe ilay olo, na lahy na vavy.14Nifanta tamin'i Yaveh tamin'ny feo ambo, tamin'ny hiake, sy tamin'ny trompetre ary antsiva areo. 15Niravoravo tamin'ilay fanta ny Joda abiaby, satria nifanta tamin'ny fony manontolo areo, ary nandrembe fatratre an'Andriamanitra, ka hitan-dreo Ijy; Nomen'i Yaveh fedagnana ny magnodidigna an-dreo abiaby.16nalainy tsy ho mpanjaka vavy mandy koa Imaka, endribene, satria nagnano sarin-draha mahatsiravigna tamin'ny baon'Aseraha ijy. Notapahan'i Asa ilay sarin-draha mahatsiravigna, nohitsahiny ho vovoke ary norôny teo amin'ny lohasahan-driaka Kidrona ijany. 17Kanefa ireo fitoerana ambo tsy nalainy tao Israely. Na ijany aja, feno fanoloran-tegna tanterake ny fon'i Asa tamin'ny androny abiaby. 18Nindôsiny tao an-dragnon'i Yaveh ireo rahany iabany sy ireo rahany manokagna ijay an'i Yaveh: volafotsy sy ireo raha volamena. 19Tsy nisy ady koa lahatamin'ny fahadimy amby telo-polo taogna nanjakan'i Asa.
Chapter 16

1Tamin'ny fahenina amby telopolo taogna nanjakan'i Asa, i Basa, mpanjakan'Israely, die naneho herisetre nanohitre an'i Joda ary nanangagna an'i Rama, mba tsy hamelany an'ija n'ija hiala na hiditre ao amin'ny tanin'i Asa, mpanjakan'i Joda.2Die nitondra volafotsy sy volamena nivôke ny efitragno fagnatsarejana tao amin'ny tragnon'i Yaveh sy ny tragnon'ny mpanjaka i Asa, ary nandefa ijany tagny amin'i Beni-hadada mpanjakan'i Syria, ijay nidoboke tagny Damaskosy. Hoy ijy hoe: 3'' Ôke hisy fifanekena eo amin'ahy sy aminao, hôtran'ny nisian'ijany teo amin'ny iabako sy iabanao. Io ,nandefa volafotsy sy volamena taminao iaho. Ravao ny fifagnekenao amin'i Basa, mpanjakan'Israely, mba hahafahany mba hahafahany mamela an'ahy rerike.4Niteno an'i Asa Mpanjaka i Beni-hadada ka nandefa ireo mpifehy ny tafiny hanohitre ireo tanànan'Israely. Nanafike an'i Iona, Dana, Abela-maima, ary ireo tanàna fagnatsarajen'i Naftaly abiaby areo. 5Ary laha efa naharegne an'ijany i Basa, die najanogny ny fanangagnana an'i Rama, ary nampitrehe ny asany. 6Ary nalain'i Asa Mpanjaka niaraka tamin'ajy ny Joda abiaby. Nindôsin-dreo ny vato sy ireo hajon'i Rama ijay nananganan'i Basa ny tanàna. die nampiasain'i Asa nagnoregnana an'i Geba sy Mizpa ijany fitôvana fanangagnana ijany.7amin'ijany fotôgna ijany i Hanany mpahita nenga agny amin'i Asa, mpanjakan'i Joda, ka nagnano tamin'ajy hoe: ''satria anao nentehitre tamin'ny mpanjakan'i Syria, fa tsy nentehitre tamin'i Yaveh Andriamanitrao, die nitsôke avy eo an-tagnanao ny tafiky ny mpanjakan'i Syria. 8Moa ve ireo Etiopiana sy ireo Lobita tsy tafike lehibe miarake amin'ny kalesy sy mpideba sôvaly tena rahabe? Kanefa, satria anao nentehitre tamin'i Yaveh die nagnome anao ny fandresena teo amin-dreo Ijy.9 ny mason'i Yaveh die mandeha egne abiaby egne magneragna ny tany manontolo, mba hahafahany maneho ny tegnany ho mahery ho an'ireo ijay managna fo tonga lafatre manoloana an'Ajy. Fa nagnano hadalana tamin'ijany raha ijany anao. Koa manomboka eto, die hanagna ady anao. 10Ary die vignitre tamin'ilay mpahita i Asa; nogadrainy ijy, satria vignitre tamin'ajy noho ijany raha ijany ijy. Tamin'ijany fotôgna ijany mandy, die nampahory ny saragny tamin'ireo vahôke i Asa.11Io, ireo asan'i Asa, lahatamin'ny vôlohany lahatamin'ny farany, die io, efa vôsoratre ao amin'ny bokin'ireo mpanjakan'i Joda sy Israely ireo. 12Tamin'ny fahasivy amby telopolo taogna nanjakany, die narary ny hongotr'i Asa; nahery vaike tokôtre ny aretigny. Na ijany aja anefa, die tsy nandrembe fagnampiana avy tamin'i Yaveh ijy, fa tamin'ireo mpitsabo mandy.13Nodimandry tagny amin'ny rajambeny i Asa; maty tamin'ny faha iraika amby efapolo taogna nanjakany ijy.14 Nalevin-dreo tao amin'ny fasagny mandy ijy, ijay nangadiany ho an'ajy tao amin'ny tanànan'i Davida. Nampandrian-dreo teo ambony fandriana feno fofogna magnitre sy karajagna raha-magnitre nomanin'ireo mpahay raha-magnitre ijy. Ary nagnano afo lehibe areo mba ho voninahitre ho an'ajy.
Chapter 17

1Josafata janaka lahin'i Asa die tonga mpanjaka nandimby an'ajy. Nampatanjaka ny tegnany hanohitre an'Israely i Josafata.2 Nametrake tafike tamin'ireo tanàna mimandan'i Joda abiaby ijy, ary nametrake miaramila tagny amin'ireo tanin'i Joda sy tany amin'ireo tanànan'i Efraima, ijay nobaboin'i Asa iabany.3Nomba an'i Josafata i Yaveh satria nandeha tamin'ireo lalan'i Davida iabany vôlohany ijy, ary tsy nandrembe an'ireo Bala. 4Fa koja, nahatoky an'ilay Andriamanitry ny abany ijy, ary nandeha tamin'ireo didiny, fa tsy mba tamin'ny fitondran-tegnan'Israely.5oa napetrak'i Yaveh teo an-tagnany ny fanapahana; nagnome voninahitra an'i Josafata ny Joda abiaby. 6Ny fony die natao ho an'ireo lalan'i Yaveh. Nangala ireo fitoerana ambo sy ny baon'Aseraha tagny Joda mandy koa ijy.7Tamin'ny taogna fahatelo nanjakany die nagniraka an'i Benaila, Obadia, Zakaria, Netanela ary Mikaia manam-pahefany ijy, mba hampianatra agny amin'ireo tanànan'i Joda. 8Niaraka tamin-dreo koa ireo Levita: die Semaia, Netania, Zebadia, Asahela, Semiramota, Jonatana, Adonia, Tobia, ary Tob-adonia; ary niarake tamin-dreo i Elisama sy Jorama mpisorogna. 9Nampianatre tagny Joda areo, ary nanagna ny bokin'ny lalàn'i Yaveh niarake tamin'ajy. nandeha nagneragna ny tanànan'i Joda abiaby areo ary nampianatre teo amin'ny vahôke.10rotsake tamin'ireo fanjakan'ny tany abiaby ijay nagnodidigna an'i Joda ny horohoro an'i Yaveh, mba tsy hiantsian-dreo ady amin'ny Josafata. 11Ny Filistina saragny nitondra fagnomejana ho an'i Josafata, sy volafotsy ho fagnomejam-boninahitra. Ireo Arabo koa die nitondra ondry aman'osy ho an'ajy, ondrilahy 7700 ary osilahy 7700.12tonga nahery i Josafata. Nagnorigna ferovana mafy sy tanàna fagnatsarejana tao Joda ijy. 13Ijy die nanagna fitiavana rahabe tao an-tanànan'i Joda, sy miramila-matanjaka, lelahy mahery fo-tagny Jerosalema.14Ireto ny lisitran-dreo, milahatre arake ireo agnaran'ny ampehin'iaban-dreo: avy agny Joda, ireo mpifehy ny agn'arivony; Adna mpifehy, ary niarake tamin'ajy ny lelahy mpiady 300 000; 15tafarany i Johanana mpifehy, ary niarake tamin'ajy ny lelahy 280 000;16 tafarany i Amasia janake lahin'i Zikry, ijay nanolo-tegna hanompo an'i Yaveh; ary niarake tamin'ajy ny lelahy mpiady 200 000. 17Avy amin'i Benjamina: die i Eliada lelahy natanjaka tamin'ny herim-po, ary niaraka tamin'ajy ny mitam-pediana 200 000 niaraka tamin'ireo tsipika sy ireo ampinga; 18magnaraka an'ajy i Jozabada, ary niaraka tamin'ajy ireo 180 000 vognona ho amin'ny ady; 19Ireo no nanompo ny mpanjaka ankôtran'ireo ijay napetraky ny mpanjaka tamin'ireo tanàna mimanda nagneragna an'i Joda abiaby.
Chapter 18

1Ary Josafata nanagna harena sy voninahitra be; ijy die nihavagna tamin'i Ahaba tamin'ny nanambadian'ny raike tao amin'ny fianakaviany ny janagny vavy.2 Taogna maromaro tatoy afara, dia nijotso tagny amin'i Ahaba tagny Samaria ijy. Namono ondry aman'osy rahabe ho an'ajy sy ho an'ireo olo niarake tamin'ajy i Ahaba. Nandresy lahatre an'ajy mba hanafike an'i Ramota Gileada hiaraka amin'ajy koa Ahaba. 3Hoy Ahaba, mpanjakan'Israely tamin'ny Josafata mpanjakan'i Joda hoe: ''Handeha hiaraka amin'ahy ho agny Ramota Gileada ve anao?''Namaly an'ajy Josafata hoe: ''Hôtrany anao mandy iaho, ary ny vahôkako die hôtran'ny vahôkanao; hiarake aminareo agny amin'ny ady ahay.''4Hoy Josafata tamin'ny mpanjakan'Israely hoe: ''Mba rombejo aloha ny jakan'i Yaveh ho amin'ny valin-teninao. 5''Avy eo ny mpanjakan'Israely nampivory ireo mpaminany, lelahy efa-jato, ka nijaka, tamin-dreo hoe: ''Tokony handeha hiady agny Ramota Gileada ve antsena, sa tsia? Hoe areo hoe: ''Tafiho, fa Andriamanitra hagnome an'ijany eo an-tagnan'ny mpanjaka.''6anefa hoy Josafata hoe: ''Tsy mbola misy mpaminan'i Yaveh hafa ijay afake hangalantsena hevitre ve eto?''7 Hoy ny mpanjakan'Israely tamin'i Josafata hoe: ''Mbola misy lelahy raike afake hangalantsena ny hevitr'i Yaveh, dia Mikaia janaka lahin'i Jimla, sengy halako ijy satria tsy naminany tsara mahakasike an'ahy mihintsy, fa ratsy fehijay.'' Fa hoy Josafata hoe: ''Tsy tokony hijaka an'ijany ny mpanjaka. 8''Avy eo nangaike manam-pahefana ny mpanjakan'Israely ary nijaka hoe: ''Indôsy malaku i Mikaia janaka lahin'i Jimla.''9Ary samy nidoboke tamin'ny seja fendriagnana aby i Ahaba mpanjakan'Israely sy Josafata mpanjakan'i Joda, nisikigna ny sikigna lavan-dreo, teo amin'ny toerana malalake alohan'ny fidirana ny vavahadin'i Samaria, ary ny mpaminany abiaby die naminany teo ankatrehan-dreo. 10Zedekia janaka lahin'i Kenana die nagnambôtre tandroke vy ho an'ny tegnany ary nijaka hoe: ''Ijao no jakain'i Yaveh: Amin'ireo no hanotoanao ireo Syriana mandra-pahalevon-dreo.''11 Nitovy faminaniana ireo mpaminany abiaby nagnano hoe: ''Tafiho Ramota Gileada ary reseo, fa efa nomen'i Yaveh teo an-tagnan'ny mpanjaka ijany.''12Ilay irake ijay nandeha nangaike an'i Mikaia nijaka nagnano tamin'ajy nagnano hoe: ''indro ijao, ny jakan'ireo mpaminany die magnambara raha tsara amin'ny mpanjaka amin'ny feo tokagna. Ôke ny jakanao ho hôtran'ny jakan'ny raike amin-dreo ary hijaka raha tsara.''13 Namaly Mikaia hoe ''Laha mbola velogna koa Yaveh, die ijay raha jakain'Andriamanitra no hambarako.''14 Laha efa tonga tagny amin'ny mpanjaka ijy, die hoy ilay mpanjaka tamin'ajy hoe: 'Ry Mikaia, tokony handeha hiady agny ramota Gileada ve antsena, sa tsia?'' Namaly an'ajy Mikaia hoe: ''Tafiho ary mandrese! fa ho fandresena lehibe ijany.''15Avy eo ny mpanjaka nijaka tamin'ajy hoe: ''Impiry no hampifantako anao tsy hijaka afa-tsy ny marina amin'ahy amin'ny agnaran'Yaveh?'' 16Ka die hoy Mikaia hoe: ''Nahita ny Israely abiaby niparitake tegny amin'ireo tety iaho, hôtran'ny ondry tsy misy mpiandry, ary hoy Yaveh hoe: 'Tsy managna mpiandry ondry ireo. Ôke ny lelahy abiaby hipody am-pahatoniana agny an-dragnony.'''17Noho ijany die hoy ny mpanjakan'Israely tamin'i Josafata hoe: ''Tsy efa nijaka anao ve iaho fa ijy tsy haminany soa mahakasika an'ahy, fa loja mandy?'' 18Avy eo die hoy Mikaia hoe: ''Noho ijany anareo abiaby die tokony hiteno ny jakan'i Yaveh: Nahita an'Yaveh nidoboke teo amin'ny seja fendriagnany iaho, ary ny miaramilan'ny lanitra abiaby nitsangagna teo an-kavagnany sy teo an-kaviany.19Hoy Yaveh hoe: 'Ija no hitaogna an'i Ahaba,mpanjakan'Israely, mba hahafahany hiakatre agny Ramota Gileada ary ho lavo agny? Ny raike nijaka an'ijao ary ny hafa nijaka an'ijany.20faran'ijany die nisy fagnahy nandroso ary nitsangagna teo alohan'i Yaveh sy nijaka hoe: 'Hitaogna an'ajy iaho' Hoy Yaveh tamin'ajy hoe: 'Amin'ny fomba akory?' 21Die namaly ilay fagnahy hoe: 'Hivôke iaho ary ho tonga fagnahy mpivandy ao am-bavan'ireo mpaminaniny abiaby.' Namaly Yaveh hoe; 'Hitaogna an'Ajy anao, ary hahomby koa anareo. Koa ankehitriny mandehana ary atôvy ijany.'22Io ary ankehitriny, Yaveh nametrake fagnahy mpivandy tao am-bavan'ireo mpaminaninao ireo, ary Yaveh nandidy loja ho anareo.''23Die tonga i Zekedia janaka lahin'i Kenana, namelaka ny takolak'i Mikaia, ary nijaka hoe: ''Taja ny lalagna nialan'ny Fanahin'i Yaveh tamin'ahy mba hivoria aminao?'' 24Hoy i Mikaia hoe: ''Io, ho fantatrao ijany amin'ny ijany andro ijany, laha efa mihajakajake hivony agny amin'ny efitragno agnatiny saragny anao.''25Nijaka tamin'ny mpanompo saragny ny mpanjakan'Israely hoe: ''Samborinareo vahôke i Mikaia ary ento ho agny Amona, ilay governoran'ny tanàna ijy, sy agny amin'ny Joasy, janako lahy. 26Anareo vahôke hijaka amin'ajy hoe: 'hoy ny mpanjaka hoe: ampidiro am-ponja io lelahy io ary fahano mofo sy rano kely ijy, mandra-pipodiko soa aman-tsara.'''27 Avy eo Mikaia nijaka hoe: ''Laha tafapody soa aman-tsara anao, die tsy nijaka tamin'ny alalako Yaveh.'' Tenoy ijany, anareo ry vahôke abiaby.''28Koa die niakatre hanohitre an'i Ramota Gileada i Ahaba, mpanjakan'Israely, sy Josafata, mpanjakan'i Joda. 29Hoy ny mpanjakan'Israely tamin'i Josafata hoe: ''Hiova tarehy ary handeha ho amin'ny ady, fa anôvy ny sikigna lavan'ny mpanjaka.'' Koa die niova nagnano olon-kafa ny mpanjakan'Israely, ary nandeha tagny amin'ny ady areo. 30Ary ny mpanjakan'i Syria die nandidy ireo kapitenin'ireo kalasiny nagnano hoe: 'Aja manafike ireo miaramila manan-kaja na tsy manan-kaja. Fa koja, ny mpanjakan'Israely mandy no tafiho.''31y laha efa nahita an'i Josafata ireo kapitenin'ny kalesy die hoy areo hoe: ''Igny ny mpanjakan'Israely. ''Nipody mba hanafike an'ajy areo, kanefa nihiake mafy Josafata, ary namonjy an'ajy ,Yaveh. Navadik'Andriamanitra niala tamin'ajy areo. 32Ary laha efa hitan'ireo mpifehy ny kalesy fa tsy ny mpanjakan'Isarely ilay ijy, die nipody tamin'ny fagnanjahana an'ajy areo.33Kanefa nisy lelahy raike nisintogna ny jana-tsipikany ary nitifitre ny mpanjakan'Israely teo agnelagnelan'ny fifandresan'ny ferovany. Avy eo Ahaba nijaka tamin'ny mpitondra kalesiny hoe: ''Mitodiha ary indôsy mivôkan'ny ady iaho, fa maratre mafy. '' 34Niharatsy ny ady tamin'io andro io, ary ny mpanjakan'Israely die nandry tao amin'ny kalesiny nifanandrify tamin'ireo Syriana mandra-pahatsondrognan'ny andro. mandra-pilentiky ny masoandro die maty ijy.
Chapter 19

1Nipody soa aman-tsara an-dragnony tagny Jerosalema i Josafata mpanjakan'i Joda. 2Avy eo Jeho janaka lahin'i Hanana, ilay mpahita, nivôke hitsena an'ajy ka nijaka tamin'ny Josafata Mpanjaka hoe: ''Tokony hagnampy ny ratsy fagnahy ve anao? Tokony hitia ireo ijay mankahala an'i Yaveh ve anao? Noho ijany asa ijany, die ao aminao ny havignirana avy amin'i Yaveh. 3Na ijany aja, die mbola misy tsara hita ao agnatinao, fa nalainao hiala ny tany ireo baon'aseraha, ary efa nanefe ny fonao handrembe an'Andriamanitra anao.''4Nonigna tao Jerosalema i Josafata; ary nivôke hitety ny vahôke indraike ijy lahatagny Beriseba ka lahatagny amin'ny tany ambon'i Efraima ka nitondra an-dreo nipody tagny amin'i Yaveh, ilay Andriamanitry ny rajamben-dreo.5 Nametrake mpitsara tagny amin'ny tany magneragna ireo tanàna mimanda abiaby tagny Joda ijy, isaky ny tanàna.6Hoy ijy tamin'ireo mpitsara hoe: ''Hevero ijay tokony hataonareo, satria tsy mitsara ho an'olo anareo, fa ho an'iYaveh; momba anareo Ijy. amion'ny asam-pitsarana. 7Koa ankehitriny, ôke ho aminareo ny tahotre an'i Yaveh. Mitandrema laha efa mitsra anareo, fa tsy mba misy heloke amin'i Yaveh Andriamanintsena, na fizahan-tarehin'olo na fandresana kolikoly.''8oa, nanendry ny saragny tamin'ireo Levita sy ireo mpisorogna, ary ny saragny tamin'ireo mpitarike ny tragnon-drazan'Israely tao Jeroslema i Josafata, ho amin'ny fagnantanterahana ny fitsarana ho an'i Yaveh, ary ho amin'ireo fifandirana. Nitoetra tao Jerosalema areo. 9Nampianatra an-dreo ijy, nagnano hoe: ''Tokony hanompo an'Yaveh am-pagnajana, am-pahatokiana, ary amin'ny fonareo manontolo anareo.10Na ovena na ovena tonga aminareo ny fifandirana amin'ireo rahalahinareo ijay monigna agny amin'ny tanànan-dreo, na mahakasika ny fandatsahan-dra, na momban'ireo didy aman-dalàna, die ampitandremo areo, mba tsy ho tonga meloke eo ankatrehan'Yaveh areo, laha tsy ijany die ho tonga aminareo sy amin'ireo rahalahinareo ny havignirana. ijany no tokony hataonareo mba tsy ho meloke anareo.11Io, Amaria mpisorognabe no eo aminareo amin'ny raharahan'i Yaveh abiaby. Zebadia janaka lahin'Ismaela, mpitarika ny taranak'i Joda, no mendrekitre ny raharahan'ny mpanjaka abiaby. Ireo Levita mandy koa die ho manam-pahefana hanompo anareo. Mahereja ka araho ireo torolalagnareo ireo, ary Yaveh anie homba an'ireo ijay tsara.''
Chapter 20

1Ary tafaran'ijany, die tonga nanohitre an'i Josafata ireo vahôkan'i Moaba sy Amona, ary niaraka tamin-dreo ny Monita saragny. 2Die tonga ny saragny nijaka tamin'i Josafata, nagnano hoe:''Rahabe ireo ho tonga hanohitre anao avy agny an-dafin'ny Ranomasina Maty,avy agny Edoma. Io, ao Hazezon-tamara areo, ''ijay Enjedy.3Lasa natahotre sy nampijaha ny tegnany mba hijaha an'i Yaveh i Josafata. Nagnmbara fifadian-kanina eran'ny Joda abiaby ijy. 4Niara-niagogna handrembe an'i Yaveh ny Joda abiaby; tonga handrembe an'i Yaveh tagny amin'ireo tanànan'i Joda abiaby areo.

Nehemiah

Chapter 1

1Ny jakan'i Nehemia janak'i Hakalia: Ary tamin'ny volagna Kisleo, tamin'ny taogna faharôpolo, laha mbola tao amin'ny ferovana mafin'i Sosa iaho, 2die nisy raike tamin'ny rahalahiko, i Hanany, no avy niaraka tamina olo maromaro laha tagne Joda, ka nagnontany an-dreo momba ny Jiosy ijay tafalefa, sy ny Jiosy sisa tavela tagne, ary momba an'i Jerosalema iaho.3Hoy areo tamin'ahe hoe: "Ireo ijay tafavôke velogna tamin'ny fahababoana agne amin'ny faritany die agnaty fangorohoroana sy fahafaham-baraka makadiry satria vaky nirodagna ny mandan'i Jerosalema, ka vôoro tamin'ny afo ny vavahadiny."4Vantany vô naharegny an'io jaka io iaho, die nitoboke ka nitagny, ary nalahelo sady nifady hanina ary nivavaka tamin'ny Andriamanitry ny lagnitre hatagne iaho nandritra ny andro maro. 5 Die hoy iaho hoe: "Anao no Yaveh, Andriamanitry ny lagnitre, ilay Andriamanitra makadiry sady mahajendagna, ijay mitàgna fagnikena sy mitajogna ny fitiavana ho an'ireo ijay tia an'Aje ka mitandrigna ny didiny.6Tenoy ny fivavahako ka vohay ny masonao, mba haharignesanao ny vavaky ny mpanomponao ijay hivavahako eo agnatrehanao andro aman'aligna ho an'ny vahôkan'Israely mpanomponao ankehitriny. Magneky ny fahotan'ny vahôkan'Israely, ijay nagnotanay taminao iaho. Iaho sy ny havan'iabako die samby nagnota. 7Nagnano ijay tena ratsy taminao ahay, ka tsy mba nitandrigna ny didy, ny lalàna, ary ny fitsipika ijay nandidianao an'i Mosesy mpanomponao.8Mba tadidio moa ny jaka ijay nandidianao an'i Mosesy mpanomponao hoe: "Laha tsy mahatoky anareo, die haparitako egne amin'ny firenena, 9fa laha mimpody amin'ahe anareo ka magnaraka ny didiko ka magnano ijany, na die niely tagne ambanin'ny lagnitre lavitra indrindra aja ny vahôkanao, die hamory an-dreo laha tagne Iaho ka hitondra an-dreo agne amin'ny toerana ijay nifidiko hampitobohako ny agnarako.'10Ary mpanomponao sy olonao areo, ijay navotanao tamin'ny herinao makadiry sy ny tagnanao makadiry. 11Yaveh ô, mitoreo aminao iaho, tenoy moa ny vavaky ny mpanomponao sy ny vavak'ireo mpanomponao ijay magnaja ny agnaranao fatratra. Ka ambino ny mpanomponao niany, sady iantrao eo amason'io lelahy io ijy." Fa nanompo ho mpitondra kapôke teo amin'ny mpanjaka iaho.
Chapter 2

1Tamin'ny volagn'i Nisana, tamin'ny faharôpolo taogna nanjakan'i Artaksersesy mpanjaka, die nisafidy dovay ijy, ka nangala ny dovay ka nagnome ijany ho an'ny mpanjaka. Ary tsy mbola nalahelo teo amin'ny fagnatrehane mihitsy iaho. 2Fa hoy ny mpanjaka tamin'ahe hoe: "Nagnino ny endrikao no malahelo be? Hôtran'ny tsy hita marary nefa anao. Mety alahelo ao am-po ijany." Die nanjary natahotra mahare iaho.3Hoy iaho tamin'i mpanjaka hoe: "Ho velogna mandrakijay anie ny mpanjaka! Nagnino ny endrikao no tsy tokone halahelo? Ny tanàna, ny toeran'ny koborin-drajagnako, die rava, ary ny varavaragne die potike ny afo."4Die hoy ny mpanjaka hoe: "Ino ny tianao hamboariko? Ka nivavaka tamin'ny Andriamanitry ny lagnitre iaho. 5Namaly ny mpanjaka hoe: "Laha tsara amin'ny mpanjaka ijany, ka laha nagnano ny tsara teo amasonao ny mpanomponao, die afaka hirahinao ho agne Joda iaho, agne amin'ny tanànan'ny koborin-drajagnako, mba hahafahako mamerigna manangagna ijany." 6Die namaly an'ahe ny mpanjaka (ary nitoboke teo akekine mandy koa ny mpanjaka vavy) hoe: "Firy andro ny handihananao ary amin'ny oviena anao no himpody?" Sitraky ny mpanjaka ny nandefa an'ahe laha nagnome ny datin'andro tamin'aje iaho.7Avy eo die hoy iaho tamin'ny mpanjaka hoe: "Laha sitraky ny mpanjaka, die ôka hisy taratasy homena an'ahe ho an'ny governora agne amin'ny Faritany Agnilan'ny Ony mba hagnomejan-dreo an'ahe alalagna handeha amin'ny faritanin-dreo amin'ny lalagnako megnagne Joda. 8Ôka mandy koa hisy taratasy ho an'i Asafa mpiambigna ny alan'ny mpanjaka, mba hagnomejana an'ahe hajo hamboarana andry ho an'ny vavahadin'ny ferovana mahare marivon'ny tempoly, sy hôn'ny mandan'ny tanàna, ary hôn'ny tragno ijay hipetrahako." Ka satria tamin'ahe tato ny tagnana tsaran'i Yaveh, die namboarin'ny mpanjaka ny fangatahako.9Die avy tagny amin'ny governora agne amin'ny Faritany Agnilan'ny Ony iaho ka nagnome ny taratasin'ny mpanjaka an-dreo. Ary ny mpanjaka nandefa manam-boninahitry ny tafika sy mpitengin-tsôvaly niaraka tamin'ahe. 10Laha regnin'i Sanbala Horonita sy Tobia Amonita mpanompo ijany, vignitra be ijy satria nisy olo avy ijay mirembe hagnampy ny vahôkan'Israely.11Noho ijany die avy tagny Jerosalema iaho ka tagne nandritra ny telo dro.12 Nifoha iaho ny aligna, iaho sy ny lelahy vitsivitsy niaraka tamin'ahe. Tsy nivorianiko tamin'ija na ija ny napetrak'Andriamanitra tao am-poko mba hamboarina ho an'i Jerosalema. Tsy nisy biby niaraka tamin'ahe, ankôtra ny raike ijay nidebako.13Nienga nivôke tamin'ny Vavahadin'ny Lohasaha iaho ny aligna, tanjon'ny Loharanon'ny Amboahaolo sy ny Vavahadin-Jezika, ka nagnara-maso ny mandan'i Jerosalema, ijay efa rava, ary ny varavaran-kajo die ravan'ny afo. 14Avy teo die negnagne amin'ny Vavahadin-Doharano sy ny Farihin'ny Mpanjaka iaho. Tery lôtre ho an'ny biby ijay nidebako ny handeha amin'ny toerana.15Noho ijany die nagnanike ny lohasahan-driaka iaho ny aligna ka nagnara-maso ny manda, ary nimpody sady niditra teo amin'ny Vavahadin'ny Lohasahan-driaka, ary nimpody. 16Tsy fantatr'ireo mpanapaka ijay nandihanako na ijay namboariko, sady mbola tsy nampilaja ny Jiosy iaho, na ny mpanapaka, na ny sisa ijay nagnano ny asa.17Hoy iaho tamin-dreo hoe: "Hitanareo ny loja ijay mahajo antsena, ny hipitrahan'ny Jerosalema ao agnaty faharavana sy ny vavahadiny ijay ravan'ny afo. Andao, hienga antsena hampody hanangagna ny mandan'i Jerosalema, mba tsy ho ao agnatin'ny fahafaham-baraka koa antsena." 18Nijakaiko an-dreo fa tamin'ahe teo ny tagnana tsaran'Andriamanitra sy ny momba ny jakan'ny mpanjaka ijay nijakaina tamin'ahe, Hoy areo hoe: "Ôka antsena hisandratra ka hanangagna." Die nihatanjahin-dreo hôn'ny asa tsara ny tagnan-dreo.19Fa laha regnin'i Sanbala Horonita, sy Tobia Amonita mpanompo, ary Gesema Arabo ny momba ijany, die nagneso sady nangala baraka anay areo, ka hoy areo hoe: "Ino itoy amboarinareo? Mikomy hanohitra ny mpanjaka ve anareo?"20 Die namaly an-dreo iaho hoe: "Hagnome fahombiajana anay ilay Andriamanitry ny lagnitre. Mpanompone ahay ary hitsangagna sy hagnorigna ahay. Kanefa anareo tsy managna anjara, na rariny, ary fifandresana amin'ny tantara ao Jerosalema."
Chapter 3

1Ary nitsangagna niaraka tamin'ny mpisorogna rahalahine i Eliasiba mpisorognabe, die nagnambôtre ny Vavahadin'Ondry areo. Natokagnan-dreo ijany ka napetragne tamin'ny toerany ny varavargne. Natokagnan-dreo hatagne amin'ny Tilikambon'ny Zato lahy ka hatagne amin'ny Tilikambon'i Hananela ijany. 2Tafarany ny niasa ny olon'i Jeriko, ary niasa tafaran-dreo i Zakora janaka lahin'i Imry.3Namboarin'ny janaka lahin'i Hasena ny Vavahadin'ny Hajandrano. Nambôtra andry ho an'ijay areo, ka nametraka ny varavaragne, ny hidiny, sy ny galany. 4Ary Meremota ny nagnambôtre ny faritra nagnaraka ijany. Ijy die janaka lahin'i Oria janaka lahin'i Hakoza. Tafaran-dreo no nagnambôtre i Mesolama. Ijy die janaka lahin'i Berekia janaka lahin'i Mesezabela. Tafaran-dreo no nagnambôtre i Zadoka. Ijy die janaka lahin'i Bana.5 Tafaran-dreo ny Tekoita ny nagnambôtre, fa tsy nagneke hambôtra ny asa nampamboatin'ny mpagnara-maso an'aje ny mpitarikan-dreo.6Joiada janaka lahin'i Pasea sy Mesolama janaka lahin'i Besodia ny nagnambôtre ny Vavahady Taloha. Nambôtra andry ho an'ijay areo, ary nametraka ny varavaragne, ny hidiny, sy ny galany. 7Tafaran-dreo i Melatia Gibeonita sy Jadona Meronotita, ijay olon'i Gibeona sy Mizpa ny nagnano fagnamboarana teo amin'ny faritra nitobohan'ny governoran'ny Faritany Tanjon'ny Ony.8Oziela janaka lahin'i Haraia ny teo kekine, raike amin'ny mpanefy volamena, ny nagnambôtre, ary teo agnilany i Hanania, ijay mpambôtre ranomagnitre. Nampodin-dreo namboarina i Jerosalema hatagne amin'ny Rindrigna Makadiry. 9Teo akekin-dreo i Refaia janaka lahin'i Hora no nagnambôtre. Ijy ny mpanapaka ny asasaky ny distrikan'i Jerosalema.10 Tafaran-dreo die i Jedaia janaka lahin'i Haromafa no nagnambôtre ny teo akekin'ny tragnony. Tafarany die Hato11Malkia Zanaka lahin' i Harima sy Hasoba janaka lahin'i Pahatamoaba die nagnambôtre faritra hafa magnaraka ny Tilikambon' ny Fatana.12 Tafaran-dreo die i Saloma janaka lahin'i Halohesy, ijay mpanapaka ny antsasaky ny distrikan' i Jerosalema, die nagnambôtre, niaraka tamin'ireo janagne vavy.13Hanona sy reo mponign'i Zao die nagnambôtre ny Vavahadin'ny Lohasaha. Nampodin' ny varavarany, ny hidiny, sy ny barany. Nambôtra mira arivo hakiho hatrany amin'ny Vavahadin- Jezika ijy reo.14Malkia janaka lahin'i Rekaba, mpadidy ny distrikan' i Beti- Hakerema, no nambôtre ny Vavahadin- Jezika. Ijy no nambôtre ijany, ary nametraka ny varavarany, ny hidiny, sy ny barany. 15Saloma janaka lahin'i Kola- Hoze, mpanapaka ny distrikan'i Mizpa, no namerigna nambôtre ny vavahadin'ny Loharano. Ijy no nambôtre ijany, ka mandrakotra ijany sy nametraka ny varavarany, ny hidiny, sy ny barany. Ijy mandy koa no nagnapody nagnambôtre ny mandan' ny Farihin' ny Siloa ijay teo akekin'ny jaridainan' ny mpanjaka, hatragne amin'ny tohatre mijotso mandeha amin'ny tanànan' Davida.16Nehemia janaka lahin'i Azboka, mpanapaka ny asasaky ny distrikan' i Bet- Zora die nagnambôtre teo amin'ny fasan' i Davida, hatagne amin'ilay farihy namboarin' olombelogna ka hatagne amin'ny tragnon' ireo olo mahery.17 Tafarany die ny Levita no nagnambôtre, ao agnatin' ijany i Rehoma janaka lahin'i Bany, ary nagnaraka an'aje, Hasabia, ilay mpanapaka ny asasakin'ny distrikan' i Keila,ho an' ny distrikany.18Nagnambôtre teo agnilan'ny mponign'ny ijy reo, tao agnatin' ijany i Bavay lahin'i Henadada, mpanapaka ny asasaky ny distrikan' i Keila. 19Tafarany die Ezera janaka lahin'i Jesoa, mpanapaka tao Mizpa, no nagnambôtre toerana hafa nanolôna ny fekarana mandeha amin'ny tragno fampirimana fitôvam-pediana teo an- joron' ny manda.20Teo agnilan'ny die nanolo- tegna nagnambôtre faritra hafa i Baroka janaka lahin'i Zabay, avy eo amin'ny varavaran- tragnon'i Eliasiba mpisorombe. 21 Nagnambôtre faritra hafa teo akekin' i Meremota janaka lahin'i Oria Janak'i Hakoza, avy eo amin'ny varavaran- tragnon'i Eliasiba ka hatagne amin'ny faran'ny tragnon'i Eliasiba.22Tafarany die mpisorogna, lelahy avy amin'ny faritra magnodidigna an' i Jerosalema, no nagnambôtre.23 Tafaran'ijy reo die Benjamina sy Hasoba no nagnambôtre ni- tanjo ny tragnon' ijy reo manokagna.24 Tafaran' i Binoy janaka lahin'i Henadadaie nagnambôtre faritra hafa, avy amin'ny tragnon' i Azaria hatagne amin'ny Zoron' ny manda.25Palala janaka lahin'i Ozay die nagnambôtre ny alohakan'ny jorogn'ny manda sy ny tilikambo ijay mitohy miakatre laha teo amin'ny tragno avon' ny mpanjaka eo amin'ny tokotanin'ny mpiambigna. Pedaia janaka lahin'i Parosy ny nagnambôtre teo agnilane. 26Ary ny mpanompon'ny tempoly nipetraka tao Ofela die nagnambôtre hateo amin'ny tanjon'ny Vavahadin-Drano atsimon'ny tilikambo lehibe. 27Nagnaraka ajy die nagnambôtre faritra hafa ny Tekoita ijay tandrifin' ny tilikambo lehibe hatragne amin'ny mandan' i Ofela.28Reo mpisorogna die nagnambôtre ny teo ambonin'ny Vavahadin- tsoavaly, ijay tanjon'ny tragnon'ny kiraidraike.29 Nagnambôtre ny faritra hafa tanjon'ny tragnon'ny teo agnilan' ijy reo i Zadoka janaka lahin'i Imera. Ka nagnambôtre teo agnilane i Semaia janaka lahin'i Sekania, mpiambigna vavahady atsignanana.30 Nagnambôtre faritra hafa teo agnilane i Hanania janaka lahin'i fahenin' Zalafa. Nagnaraka ajy i Mesolama janaka lahin'i Berekia ijay nagnambôtre ny tanjon'ny efitragnony.31Teo agnilany i Malakia, raike amin' ireo mpanefy volamena, ijay nagnambôtre ny tragnon'ny mpanompo an- tempoly sy reo mpivarotre ijay tanjon'ny Vavahady Fanendrena sy ny efitrano ambony teo an- jorogne. 32 Reo mpanefy volamena sy reo mpivarotre die nagnambôtre ny teo agnelagnelagn'ny efitrano ambony teo an- jorogne sy ny Vavahadin' Ondry
Chapter 4

1Ka laha regnin'i Sanbala fa nanangagna ny manda ahay, die nirehitre tao agnatiny ijany, ary nisafôka ny havignirana ijy ka nagnamavo ny Jiosy.2 Hoy ijy teo agnatrehan'ny rahalahiny sy ny tafik'i Samaria: "Fa ino itoy amboarin'ireo Jiosy kanosa ireo? Hampody ny tanàna hôn-dreo angamba areo? Hanolotra sorogna angamba areo? Hivitain-dreo ao agnatin'ny indraike andro angamba ny asa? Hamelogna ny vato laha tamin'ny korotam-bato efa norôna indraike angamba areo? 3Tobia Amonita die niaraka tamin'aje, ka hoy ijy hoe: "Laha mba misy amboahaolo mako nagnanika teo amin'ijay atsangan-dreo, die handrodagna ny manda vaton-dreo ijany!"4Tenoy, ry Andriamanitray, fa vôrabiraby ahay. Ampodiano amin'ny lohan-dreo mandy ny fijakan-dratsin-dreo ka abilay areo ho babo agne amin'ny tany ijay higadran-dreo. 5Aja manarogna ny helokan-dreo ary aja mamafa ny fahotany tsy ho eo agnatehanao, fa nihantsy ny havigniran'ny mpambôtre ny manda areo. 6Ka natsangagnay ny manda ka nifandray teo amin'ny asasaky ny haambony ny manda abiaby satria nanampagniriana ny hiasa ny olo.7Fa laha regnin'i Sanbala, Tobia, ny Arabo, ny Amonita, ary ny Asdodita fa nandroso ny asa fagnamboarana ny mandan'i Jerosalema, sady efa nikatogna ny toerana vaky teo amin'ny manda, die nirehin-kavignirana makadiry tao agnatin-dreo.8 Niara-nikonokonogna aby ijy abiaby, ka avy hiady tamin'i Jerosalema ka nahatonga savorovoro tao amin'ijany. 9Fa nivavaka tamin'ny Andriamanitray ahay satria nametraka mpiambigna hiaro amin-dreo andro aman'aligna nohon'ny fampitahoran-dreo.10Die hoy ny vahôkan'i Joda hoe: "Mihalefy ny herin'ireo ijay mibata enta-mavesatra. Be lôtre ny korotam-bato, ka tsy afaka mamerigna manangagna ny manda ahay." 11Hoy ny fahavalonay hoe: "Tsy hahafantatra na hahita areo ambara-pevianay eo amin-dreo ka hamono an-dreo, ka hampijanogna ny asa."12Tamin'ijay fotôgna ijay die avy laha tagne amin'ny lalagna abiaby ny Jiosy ijay nonigna takekin-dreo teo ka nijaka impolo taminay, nampitandrigna anay ny amin'ny tatika ijay amboarin-dreo aminay. 13Ka nametraka olo tagne amin'ny tany ambany indrindra amin'ny manda tegne amin'ny toerana miharihary iaho. Nametraka ny havany kiraidraike niaraka tamin'ny sabany, ny lefogna, ary ny tsipìkany aby iaho. 14Die nitsinjo iaho, ary nitsangagna, ka hoy iaho tamin'ny olo ambony, sy tamin'ny mpanapaka, ary tamin'ny vahôke sisa hoe: "Aja matahotre an-dreo. Tadidio ny tompo, ijay makadiry sady mahajendagna. Media ho an'ny havanareo, ny janakareo lahy sy ny janakareo viave, ny sakejanareo, ary ny ankohonanareo."15Ary laha regnin'ny fahavalonay fa hainay ny paik'adin-dreo, ary nasavorovoron'Andriamanitra ny paik'adiny, die nimpody teo amin'ny manda ahay abiaby, samby tamin'ny asany aby. 16Ka nanomboka tamin'ijany fotôgna ijany die niasa ho an'ny fananganana ny manda fotsiny ny asasak'ireo mpanompoko, ary ny asasagne nitagna lefogna, ampinga, tsipìka, ary nagnano akanjo ferovana, laha nitsangagna laha tao afaran'ny vahôkan'i Joda abiaby koja ny mpitarika.17Niambigna ny fitoeran-dreo mandy koa ny mpiasa ijay nanangagna ny manda sy nibata ny enta-mavesatra. Niasa tamin'ny tagnana raike aby ny olo abiaby, ary tamin'ny tagnana ilane ny nitànan-dreo ny fediany. 18Ny mpanangagna abiaby die nagnano ny sabany teo agnilane ary hôtran'ijay ny nesane. Ilay raike ijay nampagneno ny trompetra die nijanogna teo akekiko.19Die hoy iaho tamin'ny olo ambony sy ny manam-boninahitra ary tamin'ny vahôke sisa hoe: "Gagàna sady mihitatra ny asa, ary misarasaraka antsena eto ambonin'ny manda, mifagnalavitre. 20Ôka hihajakajake ho eo amin'ny toerana aharignesanareo ny trompetra anareo ka hangigna eo. Hiady hôntsena ny Andriamanitrantsena."21Ka namboarinay ny asa. Ny asasakan-dreo nitajogna lefogna nanomboka vô mangiran-dratsy ka hatamin'ny fiboahan'ny masoandro. 22Hoy mandy koa iaho tamin'ny olo tamin'ijay fotôgna ijay hoe: "Ôka ny olo abiaby sy ny mpanompone handany ny aligna eo agnivon'i Jerosalema, mba ho mpiambigna antsena mandritra ny aligna areo ary ho mpiasa amin'ny atoandro." 23Ka na iaho, na ny rahalahiko, na ny mpanompoko, na ny lelahin'ny mpiambigna ijay nagnaraka an'ahe, die tsy nisolo akanjo ahay, ary nitagna fediane ny kiraidraike taminay, na die handeha hangala rano aja.
Chapter 5

1Ary ny lelahy sy ny vadin-dreo die nagnano fitaregnana makadiry hanohitra ny Jiosy akamane. 2Satria nisy saragne nagnano hoe: "Rahabe ahay miaraka amin'ny janaka lelahinay sy janaka viavinay. Ka ôka ahay hahajo vary mba hahafahanay mihinagna sady mivelogna." 3Nisy saragne hafa nagnano hoe: "Magnano antoke ny sahanay, ny tanim-bôlobokay, sy ny tragnonay ahay, mba hajahônay vary mandritra ny mosary."4Nisy saragne mandy koa nagnano hoe: "Efa nindragna vola handoavana ny hetran'ny mpanjaka tamin'ny sahanay sy ny tanim-bôlobokay ahay. 5Nefa ny nofonay sy ny rànay die mitovy hôtran'ny an'ny rahalahinay mandy, ary ny janakay die mitovy amin'ny janakan-dreo. Vôtery nivarotra ny janaka lelahinay sy ny janak viavinay ho andevo ahay. Ary ny saragne amin'ny janakay viave die efa nandevojina lahateo. Nefa tsy ao amin'ny herinay ny hagnano an'ijay satria efa olo hafa ny tompon'ny sahanay sy ny tanim-bôlobokay amin'ijao."6Die vignitra mahare iaho laha naharegny ny fitaregnan-dreo sy ireo jaka ireo. 7Die nieritreritra momba ijany iaho, ary nitondra fempangana ho an'ny manan-kaja sy ny manam-boninahitra. Hoy iaho tamin-dreo: "Samby sarotine amin'ny rahalahiny kiraidraike aby anareo." Die nagnano fiangonam-be hanohitra an-dreo iaho 8ary nijaka an-dreo hoe: "Ahay, araka ijay tratranay, die efa nanohitra tamin'ny fagnandevojana ny Jiosy rahalahinay ijay namidy tamin'ny firenena, nefa anareo aja nivarotra ny rahalahinareo sy ny anakavinareo mba hivarotana an-dreo aminay!" Die nangigna sady tsy nahita jaka hijakaina an-dreo.9Die nijaka koa iaho hoe: "Tsy tsara ijao amboarinao ijao. Moa tsy tokone handeha amin'ny fahatahorana an'Andriamanitrantsena ve anareo mba hisorohana ny fijakan-dratsin'ny firenena ijay fahavalontsena? 10Iaho sy ny rahalahiko ary ny mpanompoko die efa mampitrosa vola sy vary an-dreo. Nefa antsena die tokone hampijanogna ny fagnasiana jana-bola amin'iregny fampitrosam-bola iregny. 11Ampodianao amin-dreo amin'itoy andro niany itoy ny sahan-dreo, ny tanim-bôlobokany, ny saha hanirin'ny olivany, sy ny tragnony, ary ny isan-jaton'ny vola, ny vary, ny dovay vaovao ary menaka ijay nampitrosainareo tamin-dreo."12Die hoy areo: "Hampodinay ijay nalainay tamin-dreo, ary tsy hitaky na ino na ino amin-dreo ahay. Hambôtre araka ijay jakainao ahay." Die nangaika ny mpisorogna iaho, ka nampifanta an-dreo mba hagnano araka ijay efa nampagnantenain-dreo. 13Nagnakipake ijay niforitra tamin'ny akanjoko iaho ka nijaka hoe: "Ôka anie hafahan'Andriamanitra amin'ny tragnony sy ireo fanagnany ny olo abiaby ijay tsy mitàgna ny fampagnantenany. Ôka anie hafahana sady foagnana ijy." Ary ny fengonana abiaby nijaka hoe: "Amena," sady nidera an'i Yaveh ka nagnano araka ijay efa nampagnantenain-dreo ny vahôke.14Ka tamin'ny fotôgna ijay nanondrôna an'ahe ho governoran-dreo tagne amin'ny tanin'i Joda, nanomboka tamin'ny taogna faharôpolo ka hatamin'ny taogna faharoe amby telopolo nanjakan'i Artaksesy mpanjaka, roe ambin'ny folo taogna ijay, die tsy mbola nihinagna hanina nomena ho an'ny governora na iaho na ny rahalahiko. 15Nefa ny governora taloha ijay teo alohako die nametraka enta-mavesatra tamin'ny vahôke, ary nampandoa an'aje sekely volafotsy efapolo ho an'ny hanina sy dovain-dreo isan'andro. Na ny mpanompon-dreo aja nampijaly ny vahôke. Fa tsy nagnano an'ijany iaho nohon'ny fahatahorako an'Andriamanitra.16Nanohy ny asa teo amin'ny manda mandy koa iaho, sady tsy nividy tany ahay, ary ny mpanompoko abiaby die niangogna teo hiasa. 17Ary teo amin'ny latabatro no nisy ny Jiosy sy ny manam-pahefana, 150 lahy, ankôtran-dreo ijay negnagne aminay laha tamin'ny firenena ijay magnodidigna anay.18Ary ijay nomagnina isan'andro die ahomby raike, sy ondry vôfantigna enina, ary vorogna mandy koa, ary isaky ny folo andro die dovay isan-karajagne mitafotafo, kanefa tamin'ijay abiaby ijay die tsy mbola nangataka ny anjara hanin'ny governora iaho, satria ijany fangatahana ijany die tena navesatra lôtre teo amin'ny vahôke. 19Tadidio iaho, ry Andriamanitro, amin'ny tsara, noho ijay abiaby natako hôn'itoy vahôke itoy.
Chapter 6

1Ary laha regnin'i Sanbala, Tobia, ary Gasema Arabo sy ny fahavalony sisa fa efa nagnambôtre ny manda indraike iaho ka tsy nisy faritra nivoha koa, na die tsy mbola nanangagna ny varavaragna teo am-bavahady aja iaho, 2die hoy i Sanbala sy Gasema tamin'ahe, nagnano hoe: "Anadao, hienga antsena hihaogna agne amin'ny lemak'i Ono ho agne." Nefa nikendry ny hagnisy ratsy an'ahe areo.3Nagniraka mpitondra hafatra tagne amin-dreo iaho, nagnano hoe: "Mambôtre asa makadiry iaho, ka tsy afaka mijotso. Nagnino no tokone hijanogna ny asa laha hilôjako ijany ka mijotso agne aminao iaho? 4Nandefa hafatra mitovy in'efatre tamin'ahe areo, ka nivaliako mitovy isaky ny mandefa ireo.5Nagniraka ny mpanompone tatoy amin'ahe hôtran'ijay fagnindimine i Sanbala, nitondra taratasy mivoha tegne an-tagnane. 6Vôsoratre tao amin'ijany hoe: "Vôtatitra eo amin'ny firenena ijao, sady atoron'i Gasema mandy koa, fa matetika ny hikomy anao sy ny Jiosy, ka noho ijany ny namboaranao ny manda indraike. Araka ny jakain'ito tatitra ito, die efa hanjary mpanjakan-dreo anao.7Efa nanondro mpaminany mandy koa anao mba hagnano ijao fagnambarana momba anao ijao agne Jerosalema, magnano hoe: 'Misy mpanjaka agne Joda!' Mahajo matoky anao fa ho regnin'ny mpanjaka ireo tatitra ireo. Noho ijany mevia, andao antsena hifampivoria."8Die nandefa jaka tagne amin'aje iaho magnano hoe: "Tsy nisy raha hôtran'ijay nitranga araka ny jakainao, fa tao am-ponao mandy ny namorognanao ireo. 9Fa te-hampatahotra anay areo, nieritreritra hoe: "Hampiraviravy ny tagnan-dreo amin'ny famboarana asa areo, ka tsy ho vita ijany." Nefa ankehitriny, ry Andriamanitra, mba atanjahy moa ito tagnako.10Negnagne an-dragnon'i Semaia janaka lahin'i Delaia janaka lahin'i Mehetabela, ijay tsy afa-nihetsika tao an-dragnone iaho. Hoy ijy: "Andao hihaogna agne an-dragnon'Andriamanitra antsena, ao agnatin'ny tempoly, ka andao hahidintsena nvaravaragn'ny tempoly, satria avy hamono anao areo. Ho avy hamono anao areo amin'ny aligna."11 Namaly iaho hoe: "Lelahy hôtran'ahe ve ny hienga hilefa? Hiditra ao an-tempoly mba hahajoany magnavotra ny aigne ve ny lelahy hôtran'ahe? Tsy hiditra iaho!"12Tonga saigna iaho fa tsy Andriamanitra ny nagnirake an'aje, fa naminany nanohitra an'ahe ijy.13 Nagnarama an'aje i Tobia sy Sanbala. Nagnarama an'aje areo mba hampatahotra an'ahe, mba hamboarako ijay jakaine ka hagnota, mba hagnomejan-dreo agnarana ratsy hôn'ahe hangalan-dreo baraka an'ahe. 14Tadidio Tobia sy Sanbala, ry Andriamanitra ô, ary ijay abiaby natan-dreo. Tadidio mandy koa Noadia mpaminany viave sy ny mpaminany sisa ijay nagnandragna ny hampatahotra an'ahe.15Ka vita tamin'ny andro fahadimy amby rôpolon'ny volagna Elola ny manda, tafaran'ny roe amby dimampolo andro. 16Laha regnin'ny fahavalonay abiaby ijany, ny firenena abiaby magnodidigna anay, die natahotra areo ka lavo mahare teo amason-dreo mandy. Fantatran-dreo fa efa vita tamin'ny fagnampian'ny Andriamanitray ny asa.17Tamin'ijay fotôgna ijay die nandefa taratasy rahabe tagne amin'i Tobia ny manan-kaja tao Joda, ary avy tagne amin-dreo koa ny taratasin'i Tobia. 18Fa nisy rahabe tagne Joda no vôfehin'ny fifantana tamin'aje, satria vinanto lahin'i Sekania janaka lahin'i Ara ijy. Ary Johanana janagne lahy efa nanambady ny janaka vavin'i Mesolama janaka lahin'i Berekia. 19Nijaka tamin'ahe momba ny asa soany ary nitatitra ny jakako tagne amin'aje mandy koa areo. Nandefasana taratasy laha tamin'i Tobia iaho mba hampatahorana an'ahe.
Chapter 7

1Laha vita ny manda ka vôpetako tamin'ny toerany ny varavaragna, ary efa vôtondro ny mpiambigna vavahady sy mpihira ary ny Levita, 2die nomeko an'i Hanany rahalahiko ny fitantagnana an'i Jerosalema, miaraka amin'i Hanania ijay nagnara-maso ny ferovana mahare, sat lelahy mahatoky sy matahotre an'Andriamanitra mihôtre noho ny rahabe ijy.3Hoy iaho tamin-dreo hoe: "Aja vohana ny vavahadin'i Jerosalema mandra-piakatry ny masoandro. Laha mbola miambigna ny mpiambigna vavahady, die afaka magnidy ny varavaragna sy magnisy gala anareo. Manondroa mpiambigna laha tamin'ny ijay mitoboke agne Jerosalema, ny saragne agne amin'ny toeram-pembenan-dreo, ary ny saragne alohakan'ny tragnony aby." 4Ary ilay tanàna midadasika sady makadiry, kanefa vitsy ny olo ao amin'ijany, ary tsy mbola nisy tragno vôtsangagna.5Andriamanitra die nametraka tao am-poko ny hamoriana ny manan-kaja, ny manam-boninahitra, sy ny vahôke mba hisoratana agnarana araka ny havan-dreo. Hitako ny bokin'ny tetiaran'ireo ijay nimpody vôlohane ary hitako vôsoratre tao ito magnaraka ito.6Ito ny vahôkan'ny faritany ijay nandeha nagnanika laha tamin'ny fahababoan'ireo sesitany ijay nibaboin'i Nebokadnezara mpanjakan'i Babylona. Nimpody tagne Jerosalema sy Joda areo samby amin'ny tanànane aby. 7Niaraka tamin'i Zerobabela, Jesoa, Nehemia, Azaria, Ramia, Nahanany, Mordekay, Bilsana, Mispereta, Bigvay, Nehoma, ary Bana areo. Ny isan'ny lelahin'ny vahôkan'Israely die ahitana ito magnaraka ito.82. 172 ny taranak'i Parosy. 9372 reo taranak'i Sefatia. 10652 reo taranak'i Ara.112. 818 reo taranak'i Pahatamoaba amin'ny taranak'i Jesoa sy Joaba. 121. 254 ny taranak'i Elama. 13845 ny taranak'i Zato.14 760 ny taranak'i Zakay.15648 ny taranak'i Binoy. 16628 ny taranak'i Bebay. 172. 322 ny taranak'i Azgada. 18667 ny taranak'i Adonikama.192.067 ny taranak'i Bigvay. 20655 ny taranak'i Adina.21 98 ny taranak'i Atera, laha tamin'i Hezekia. 22328 ny taranak'i Hasoma.23324 ny taranak'i Bezay. 24112 ny taranak'i Harifa. 2595 ny taranak'i Gibeona. 26188 ny olo laha tagne Betlehema sy Netofa.27128 ny olo laha tagne Anatota.28 42 ny olo laha tagne Bet-azmaveta. 29743 ny olo laha tagne Kiriata-jearima, Kefira, ary Berota. 30621 ny olon'i Rama sy Geba.31122 ny olon'i Mikmasy. 32123 ny olon'i Betela sy Ay. 3352 ny olon'ilay Nebo hafa. 341.254 ny olon'i Elama hafa.35320 ny olon'i Harima. 36345 ny olon'i Jeriko.37 721 ny olon'i Loda, Hadida, ary Ono. 383.930 ny olon'i Sena.39973 ireo mpisorogna: die ny taranak'i Jedaia (laha tamin'ny tragnon'i Jesoa). 401.052 ny taranak'Imera. 411.247 ny taranak'i Pasora. 421.017 ny taranak'i Harima.4374 ireo Levita: die ny taranak'i Jesoa, Kadmiela, Binoy, ary Hodavia. 44148 ny mpihira: die ny taranak'i Asafa. 45138 ny mpiambigna vavahadin'ny taranak'i Saloma, taranak'i Atera, taranak'i Talmona, taranak'i Akoba, ny taranak'i Hatita, ny taranak'i Sobay.46Ny mpanompon'ny tempoly: die ny taranak'i Ziha, ny taranak'i Hasofa, ny taranak'i Tabaota, 47ny taranak'i Kesosa, ny taranak'i Sia, ny taranak'i Padona, 48ny taranak'i Lebana, ny taranak'i Hagaba, ny taranak'i Salmay, 49ny taranak'i Hanana, ny taranak'i Gidea, ny taranak'i Gahara.50Ny taranak'i Reaia, ny taranak'i Rezina, ny taranak'i Nekoda, ny taranak'i Gazama, 51ny taranak'i Oza, ny taranak'i Pasea, ny taranak'i Besay, 52ny taranak'i Meonita, ny taranak'i Nefisita.53Ny taranak'i Bakboka, ny taranak'i Hakafa, ny taranak'i Harora, 54ny taranak'i Bazlita, ny taranak'i Mehida, ny taranak'i Harsa, 55ny taranak'i Barkosa, ny taranak'i Sisera, ny taranak'i Telma, 56ny taranak'i Nezia, ny taranak'i Hatifa.57Ny taranaky ny mpanompon'i Solomona: die ny taranak'i Sotahy, ny taranak'i Sofereta, ny taranak'i Perida, ny taranak'i Jala, 58ny taranak'i Darkona, ny taranak'i Gidela, 59ny taranak'i Sefatia, ny taranak'i Sefatia, ny taranak'i Hatila, ny taranak'i Pokereta-hazebaima, ny taranak'i Amona. 60Ny mpanompon'ny tempoly, sy ireo taranak'ireo mpanompon'i Solomona die miisa 392.61Ito ny olo nienga nagnanike laha tagne Tela-mela, Tela-harsa, Kerofa, Adona, ary Imera. Kanefa tsy afaka nagnamporofo areo fa areo na ny havan'ny taranakan-dreo die taranaka laha tamin'Israely: 62die ny taranak'i Delaia, ny taranak'i Tobia, ary ny taranak'i Nekoda, ijay 642. 63Ireo ijay laha tamin'ny mpisorogna: die ny taranak'i Hobaia, Hakoza, ary Barzilay (ijay nangala ny sakejane laha tamin'ny janaka vavin'i Barzilay laha tagne Gileada ka nangihina tamin'ny agnaran-dreo).64Ireo die nirembe ny firaketan-dreo an-tsoratre tamin'ny nisoratana agnarana tamin'ny tetiaran-dreo, kanefa tsy hita ireo, ka die vôhilike tamin'ny fisorognana fa maloto areo. 65Avy eo ny governora nijaka tamin-dreo fa tsy tokone hagnome alalagna hihinagna ny fijaran-kanin'ireo mpisorogna laha tamin'ny sorogna areo mandra-pitsanganan'ny mpisorogna raike miaraka amin'ny Orima sy Tomima.6642.360 ny fikambaran'ny vondrogna abiaby, 67ankôtra ny lelahy sy mpanompon-dreo ary ny mpanompo vavin-dreo, ijay nisy 7.337. Nanagna mpihira lelahy sy viave 245 areo.68736 ny isan'ny sôvalin-dreo, 245 ny ampondra, 69435 ny rameva, ary 6.720 ny boriky.70Ny saragne tamin'ny lohan'ny fianakavian'ireo rajambe die nagnome fagnomejana hôn'ny asa. Nomen'ny governora darika volamena arivo, koveta 50, ary akanjo fisorognana 530 hôn'ny rakitra. 71Ny saragne amin'ny lohan'ireo fianakavian'ireo rajambe die nagnome darika volamena roe aligna sy mane volafotsy 2.200 hôn'ny rakitra. 72Ny sisa tamin'ny vahôke die nagnome darika volamena roe arivo, sy mane volafotsy roe aligna, ary akanjo fisorognana fito amby enimpolo.73Noho ijany ireo mpisorogna, ireo Levita, ireo mpiambigna vavahady, ireo mpihira, ny saragne amin'ny vahôke, ny mpanompon'ny tempoly, ary ny Israely abiaby die nitoboke tagne amin'ny tanànan-dreo. Tamin'ny volagna fahafito ny nametrahana ny vahôkan'Israely tao amin'ny tanànan-dreo.
Chapter 8

1Nivory hôtran'ny olo raike tegne ankalamanjagna teo alohakan'ny Vavahadin-Drano ny vahôke abiaby. Areo die nangataka an'i Ezra mpisorogna mba hitondra ny bokin'ny lalàn'i Mosesy, ijay nandidian'i Yaveh an'Israely. 2Tamin'ny andro vôlohan'ny volagna fahafito, die nitondra ny lalàna teo alohakan'ny fengonana i Ezra mpisorogna, na lelahy na viave, ary ny abiaby ijay afaka niteno sady nahatakatre. 3Niatrika ny kianja malalaka alohakan'ny Vavahadin-Drano ijy, ary namaky ijany vô maraim-be hatamin'ny mitataovovognana, talohakan'ny lelahy sy viave, ijay afaka mahatakatra, sady niteno tsara ilay bokin'ny lalàna ny olo abiaby.4Avy eo Ezra mpanora-dalàna nitsangagna teo ambonin'ny lampihajo ijay namboarin'ny olo ho amin'ijany. Nitsangagna teo ankavanane i Matita, Sema, Anaia, Oria, Hilkia, ary Mahasela; ary i Pedaia, Misaela, Malkia, Hasoma, Hasbadana, Zakaria, ary Mesolama die nitsangagna teo amin'ny ilane ankavia.5 Nivohan'i Ezra teo amason'ny olo abiaby ny boky, satria nitsangagna ambony noho ny olo ijy, ka laha nivohane ijany die nitsangagna aby ny olo.6Ezra die nagnome fisôrana an'i Yaveh, ilay Andriamanitra makadiry, ary ny olo abiaby nanandratra ny tagnane ka namaly hoe: "Amena! Amena!" Avy teo areo nagnondrika ny lohan-dreo ka nidera an'i Yaveh tamin'ny fametrahana ny tavan-dreo tamin'ny tany. 7Jesoa, Bani, Serebia, Jamina, Akoba, Sabetahy, Hodia, Mahaseia, Kelita, Azaria, Jozabada, Hanana, Pelaia- ireo Levita- die nagnampy ny olo mba hahatakatra ilay lalàna mandy koa, laha mbola nitoboke tegne amin'ny toerany ny olo. 8Nivakin-dreo tao amin'ny boky, ny Lalàn'Andriamanitra, nagnajava ijany tamin'ny fandikana sy fagnomejana ny dikan'ijany mba hahatakaran'ny olo ny vakin-teny.9Nemia governora, sy i Ezra mpisorogna sy mpanora-dalàna, ary ny Levita no nandika tamin'ny olo sady nivoria tamin'ny ota abiaby hoe: "Masina itoy andro itoy amin'i Yaveh Andriamanitrareo. Aja misaogna na mitagny." Satria nitagny aby ny olo abiaby laha naharegny ireo tenin'ny lalàna. 10Avy teo Nehemia nijaka tamin-dreo hoe: "Mandihàna amin'ny lalagnareo, mihinàna matavy ka minòma java-pisotro mamy, ka alefaso amin'ijay tsy nivognona na ino na ino ny saragne amin'ijay, fa itoy andro itoy die masina amin'ny Tompontsena. Aja malahelo, fa ny fifalian'i Yaveh no herinao."11Ka die nampangignin'ireo Levita reo olo, nagnano hoe: Mangia! satria masina itoy andro itoy. Aja malahelo. 12" Ka nenga tamin'ny lalagne ny olo abiaby mba hihinagna sy hisotro ary mba hijara raha hohanina sy hankalaja am- pifalena lehibe satria takatr' ijy reo ny jaka nampahalalaina an- dreo.13Tamin'ny andro faharoe ny mpitarika ny fianakavian'ny rajambe laha tamin'ny olo abiaby, ny mpisorogna sy ny Levita, die avy niaraka teo amin'i Ezra mpisorogna mba handinika laligna ny tenin'ny lalàna.14 Hitan-dreo vôsoratre tao amin'ny lalàna ny fomba nandidian'i Yaveh tamin'ny alalan'i Mosesy fa ny vahôkan'Israely die tokone hipetraka agnaty lay mandritra ny firavoravoana amin'ny volagna fahafito.15 Areo die tokone hagnano fagnambarana egne amin'ny tanàna abiaby, sy ao Jerosalema, magnano hoe: "Mandihàna egne amin'ny tagnambogna, ka mitondrà sampagn'oliva sy hajon'olivadia, sy sampan-drotra, sampan-drafia sy sampan-kajo be, mba hagnamboarana lay, araka ny vôsoratre."16Ka nivôke ny olo ary nitondra ny sampan-kajo nimpody ka nambôtra ny lay hôn-dreo, isaky ny tafon-dreo aby, tegne an-tokotanin-dreo, tegne amin'ny tokotanin'ny tragnon'Andriamanitra, tegne amin'ny kianja malalaka alohakan'ny Vavahadin-drano, sy tegne amin'ny kianja malalaka akekin'ny Vavahadin'i Efraima. 17Ny fengonan'ireo abiaby ijay nimpody laha tamin'ny fahababoana die nagnambôtre lay ka nipetraka tao agnatin'ireo. Fa nanomboka tamin'ny andron'i Josoa janaka lahin'i Nona hatamin'io andro io, die tsy nankalaja ijany firavoravoana ijany ny vahôkan'Israely, ka die makadiry tokôtre ny hafalian-dreo.18Isan'andro isan'andro mandy koa, nanomboka tamin'ny andro vôlohane ka hatamin'ny farany, die namaky ny bokin'ny lalàn'Andriamanitra i Ezra. Nitandrigna ny firavoravoana nandritra ny fito andro areo ka ny andro fahavalo no fivoriana magnetriketrika, mba ho fankatoavana ny lalàna.
Chapter 9

1Ka tamin'ny andro fahefatre ambin'ny folon'io volagna io mandy die nivory sady nifady hanina ny vahôkan'Israely, ary nitafy akanjo fisôgna areo, ka nagnosotra botany ny lohany. 2Nagnasaraka ny tegnane tamin'ny vahiny abiaby ny taranak'Israely. Nitsangagna ka nieky ny fahotan-dreo sy ny ratsy namboarin'ny rajambene areo.3Nitsangagna teo amin'ny toerany areo, ka tamin'ny ampahefatry ny andro die namaky ny tao amin'ny bokin'ny lalàn'i Yaveh Andriamanitrany areo. Fa tamin'ny ampahefatry ny andro hafa die nieky ny helokany sady nenkohoke teo agnatrehan'i Yaveh Andriamanitrany areo. 4Ny Levita, Jesoa, Bany, ary Kadmiela, Sebania, Bony, Serebia, ary Kenany, die nitsangagna teo amin'ny tohatre sady nangaike tamin'ny feo ambony an'i Yaveh Andriamanitran-dreo.5Ary ny Levita, sy Kadmiela, Bany, Hasbania, Serebia, Hodia, Sebania, ary Petahia, nagnano hoe: "Mitsangàgna ka miderà an'i Yaveh Andriamanitrareo mandrakijay doria." Hisaotra ny agnaranao be voninahitra anie areo, ary asandratra ambonin'ny fisôrana sy fiderana abiaby anie ijany. 6Anao no Yaveh. Anao rerike mandy. Anao no nagnano ny lagnitre, lagnitre ambony indrindra, amban'ny miaranilany abiaby, sy ny tany sy ijay abiaby eo amin'aje , ary ny ranomasina sy ijay abiaby ao amin'aje. Nagnome aigna an'aje abiaby Anao, ary ny miaramilan'ny lagnitre manompo Anao.7Anao no Yaveh, ilay Andriamanitra ijay nifidy an'i Abrama, sy nitondra an'aje nivôke an'i Oran'ny Kaldeana, ary nagnome an'aje ny agnarana Abrahama.8 Anao die nahita fa nahatoky teo agnatrehanao ny fony, ary Anao nagnano fagnikena tamin'aje mba hagnome ny tanin'ny Kananita, ny Hetita, ny Perizita, ny Jebosita, ary ny Girgasita hôn'ny taranagne. Nitàgna ny fampagnamtenanao Anao satria Anao die marina.9Nahita ny fahorian'ny rajagnay tagne Egypta Anao, ka naharegny ny fitaraignan-dreo teo amin'ny Ranomasina Mena. 10Nagnome ny famantarana sy fahajendagnana manohitra an'i Farao, sy ny mpanompone abiaby, ary ny olo abiaby tao amin'ny tanine Anao, satria Anao die nahalala fa ny Egyptiana die nagnano fihetsika agn'avogna tamin-dreo. Kanefa nambôtre agnarana ho Anao Anao ijay mitsangagna mandrak'ijao.11Sady nagnasaraka ny ranomasina teo alohakan-dreo Anao, mba hahafahan-dreo mandeha agnivon'ny ranomasina amin'ny tany maigna; sady nagnatily ireo ijay nagnenjika an-dreo ho agne amin'ny laigna, hôtran'ny vato atily agnaty rano laligna Anao.12Tamin'ny andrin-drahogna ny nitondranao an-dreo tamin'ny atoandro, ary andrin'afo koja mandritra ny aligna mba hitsilo ny lalagna handihanan-dreo.13 Nijotso tao an-tampom-bohitre Sinay Anao ka nivoria tamin-dreo laha tao amin'ny lagnitre ka nagnome an-dreo fitsipika mahitsy sy lalàna marina, beko sy didy tsara.14Nampahafantarinao an-dreo ny andro Sabata masinao, ka nagnome an-dreo didy, sy fitsipika, ary lalàna tamin'ny alalan'i Mosesy mpanomponao Anao.15 Nagnome mofo laha tagne an-dagnitre an-dreo Anao nohon'ny mosarine, ary rano laha tamin'ny vatolampy nohon'ny hetahetany, ary Anao nijaka an-dreo mba hiditra hangala ny tany nifantanao mba homena an-dreo.16Fa tsy nagnaja anao areo sy ny rajagnay, ary mafy loha, sady tsy niteno ny didinao areo. 17Nandà tsy niheno ijy reo, ka tsy niaigna momba reo fahagagana ijay efa namboarinao tamin' ijy reo, fa nanjary mafy loha, ka tamin'ny fikomien' ijy reo die nanondro mpitarika hipody amin'ny fagnandevojana ijy reo. Fa anao Andriamanitra ijay feno famelan- Keloke, be fahasoavana sy fangorahana, tsy mora vignitre, ary feno fitiavana tsy miova. Tsy nandao an-dreo Anao.18Na die efa nanagna lay ombilahy kely an' idigna aja areo ka nagnano hoe: ' Itoy no Andriamanitrareo ijay nitondra anareo niakatre nienga tany Egypta, ' ka efa nagnano faniratsirana angejabe, Anao, tamin'ny fangoraham- ponao 19die tsy nagnary anajireo tagne agn'efitre. Ny andrin- drahogna mitarika an'aje reo amin'ny lalagna die tsy mba hagnajava ny lalan- kombandreo.20Nomenao ajy reo ny fagnahinao tsara mba hampianatra ajy reo, ka tsy niaro ny mananao tsy ho eo amin'ny vavan' ijy reo Anao, ka ny rano nomenao ajy reo nohon'ny hetahetany. 21Nandritra ny efa- polo taogna no namatsianao ajy reo tagne agn'efitre, ka tsy ory n' inoninona ijy reo. Ny akanjon-dreo die tsy tonta ka ny faladian' ijy reo die tsy nivonto.22Nagnome fanjakana sy vahôke hôn' aje reo Anao, tamin'ny fanendrena ajy reo isaky ny vajan- tany. Ka nangala ny tanin'i Oga mpanjakan'i Basana ho fanagnana ijy reo.23Natanao rahabe isa hôtran'ny kintagn'ny lagnitre ny janakan-dreo, ary nindôsinao tagne amin'ny tany ijay nijakainao ny rajambene mba handehanana sy alaina ho fanagnana areo.24 Ka niditra ny vahôke ary nangala ny tany ho fanagnana ary Anao nandresy ny mponign'ny tany, die ny Kananita teo agnatrehan-dreo. Nomenao ireo mba ho eo an-tagnan-dreo miaraka amin'ny mpanjakan-dreo sy ny vahôkan'ny tany, mba hahafahan'i Israely magnano ijay mafinaritra an'aje eo amin-dreo.25Nambabo ny tanàna mimanda sy ny tany mamokatra areo, ary nambabo ny tragno feno java-tsoa, famorian-drano efa vôhady, ny tanim-bôloboke sy ny tanin'oliva, ary hajo fihinam-boa rahabe. Ary nihinagna sady afa-po sy niha-natavy ka nagnano ijay nahafaly an'aje areo nohon'ny fahatsaranao makadiry.26Ka nanjary tsy mpankatò areo sady nikomy hanohitra Anao. Natilin-dreo tagne an-dakambohone ny lalànao. Namono ny mpaminaninao ijay nampitandrigna an'aje mba himpody aminao areo, ary nagnano faniratsirana makadiry areo. 27Ka natolotrao tegne am-pelatagnan'ny fahavalone, ijay nampijaly an'aje areo. Tamin'ny fotôgna nijaliany, die nitoreo taminao areo, ary Anao naharegny an-dreo laha tagne an-dagnitre, ary nohon'ny famindram-ponao makadiry die nandefa mpamonjy mba hagnavotra an-dreo eo an-tagnan'ny fahavalony Anao.28Fa laha avy nitsahatra areo, die nagnano ratsy teo agnatrehanao indraike, ka nandao an-dreo teo an-tagnan'ny fahavalony Anao, noho ijany die nifehy an-dreo ny fahavalony. Kanefa laha nimpody sady nitoreo taminao areo, die naharegny laha tagne an-dagnitre Anao,29 ka matetika Anao ny namonjy an-dreo nohon'ny famindram-ponao. Nampitandrigna an-dreo ny amin'ny mba himpodianan-dreo amin'ny lalànao Anao. Kanefa niavognavogna sady tsy niteno ny didinao areo. Nagnota hanohitra ny fitsipikao ijay nagnome aigna ho an'ijay nankatò an'aje areo. Nagnamafy ny hatogne sy nampohemotra ny sorognane ary nandà tsy hiteno an-dreo.30Fa taogna maro ny nandeferanao sy nampitandremanao an-dreo tamin'ny alalan'ny mpaminaninao. Kanefa tsy niteno areo. Ka die natolotrao ho eo an-tagnan'ny mponigna magnodidigna areo. 31Kanefa nohon'ny hakadirin'ny famindram-ponao die tsy nandringagna an'aje tanteraka Anao, na nahafoy an-dreo, satria Anao die Andriamanitra be fahasoavana sy be indrafo.32Ary noho ijany, ry Andriamanitray- Anao makadiry, mahery, ary mahatahotra ijay nitandrigna ny fagnekenao sy ny fitiavanao tsy miovaova- ôka tsy ho kely Aminao ny java-tsarotra abiaby ijay nahajo anay, tamin'ny mpanjakanay, tamin'ny andrian-dahinay, sy tamin'ny mpisorognay, sy tamin'ny mpaminany, sy tamin'ny rajambenay,,ary tamin'ny vahôkanao abiaby hatamin'ny andron'ny mpanjakan'i Asyria ka mandrak'androany ijao. 33Anao die marina tamin'ijay abiaby nanjo anay, satria Anao die nitondra am-pahatokiena, kanefa ahay ny naneho fihetsika naneho faharatsiena. 34Ny mpanjakanay, ny andrian-dahanay, ny mpisorognay, ary ny rajambenay die tsy nitandrigna ny lalànao, na nitandrigna ny didy sy ny lalàm-pagnikena ijay nampitandremanao an-dreo.35Na die tamin'ny fanjakan-dreo manokagna aja, laha nankafy ny soa makadiry natanao tamin'aje areo, tamin'ny tany malalaka sady mamokatra ijay natanao teo agnatrehan-dreo, die tsy mba nanompo Anao areo na niala tamin'ny fomba ratsiny.36Ankehitriny ahay die andevo amin'ny tany nomenao ny rajambenay mba hankafy ny vokatra sy ny fagnomejana tsaran' ijane, ka lasa, andevo ao amin' ijany ahay! 37Ny mpanan- karena nahajo tombone tamin'ny taninay die mandeha amin'ny mpanjaka ijay nampetrakao mba hanjaka eo aminay nohon'ny fahotanay. Ijy reo die manapaka eo amin'ny tegnanay sy ny biby fiompinay araka ijay tiene. Agnaty fahoriena angeja ahay.38Noho ijay abiaby ijay, die magnano fagnikena an- tsoratre matotre ahay. Ao amin'ny antontan- taratasy voatombo- Kase ny agnaran'ny reo andrian- dahinay, reo Levita, ary reo mpisorogna.
Chapter 10

1Ao amin' ireo antontan- taratasy voatombo- Kase i Nehemia, governora, janaka lahin'i Hakalia Zedekia, 2Seraia, Azaria, Jeremia, 3Pasora, Amaria, Malkia,4Hatosy, Sebania,5 Harima, Meremota, Obadia,6 Daniela, Ginetona, Baroka,7 Mesolama, Abia, Miamina,8 Mazia, Bilgay, ary Semaia. Reo no mpisorogna.9Reo Levita die: Jesoa janaka lahin'i Azania, Binoy avy amin'ny fianakavian' i Henadada, Kadmiela, 10ka reo Levita akamane die i Sebania, Hodia, Kelita, Pelaia, Hanana,11 Mika, Rehoba, Hasabia,12 Zakora, Serebia, Sebania,13 Hodia, Bany ary Benino.14 Reo mpitarika ny olo die: Parosy, Pahata- moaba, Elama, Zato, Bany,15Bony, Azgada, Bebay, 16Adonia, Bigvay, Adina, 17Atera, Hezekia, Azora, 18Hodia, Hasoma, Bezay, 19Harifa, Anatota, Nebay, 20Magpiasy, Mesolama, Hezira, 21Mesezabela, Zadoka,Jadoa.22Pelatia, Hanana, Anaia,23 Hosea, Hanania, Hasoba, 24Halohesy, Pila, Sobeka, 25Rehoma, Hasabna, Mahaseia,26 Ahia, Hanana, Anana, 27Maloka, Harima, ary Bana.28Fa ny olo sisa, ijay mpisorogna, Levita, mpiambigna vavahady, mpihira, mpanompon'ny tempoly, sy ny abiaby ijay nagnaraka ny tegnane tamin'ny olo teo amin'ny tany magnodidigna sy nanokan-tegna ho an'ny lalàn'Andriamanitra, agnisan'ijay ireo vadiny, ny janagne lelahy sy ny janagne viave, ireo abiaby manam-pahalalana sy fahajavan-tsaigna, 29niara-nitambatra tamin'ny rahalahine, ny olo ambony areo, ary namehe ny tegnane tamin'ny tsitsike sy ny fifantana ny handeha amin'ny lalàn'Andriamanitra, ijay nomen'i Mosesy mpanompon'Andriamanitra, ary mba handinika sy hankatò ny didin'i Yaveh Tompontsena sy ny fitsipiny ary ny lalàny abiaby.30Nifanta ahay fa tsy hagnome ny janakay viave ho an'ny mponign'ny tany na hangala ny jana-dreo viave ho an'ny janakay lelahy. 31Nifanta mandy koa ahay fa laha mitondra entam-barotra na mety ho vary hamidy ny mponign'ny tany amin'ny andro Sabata, die tsy hividy amin-dreo amin'ny andro Sabata na amin'ijay andro masina ahay. Isaky ny fito taogna ny hampangalanay fijake ny taninay, ka hifoagnanay ny trosa abiaby ijay nifagnarahanay tamin'ny Jiosy hafa.32Akenay ny fandidiana ny hagnomejana ny ampahatelon-tsekely isan-taogna ho an'ny fanompôna ny tragnon'ny Andriamanitray, 33ho famatsiana ho an'ny mofon'ny fagnatrehana, sy hôn'ny fagnatitra hohanina tsy tapaka, ny fagnatitra orôna amin'ny andro Sabata, ny fetin'ny vôloham-bolagna sy ny andro firavoravoana vôtondro, sy hôn'ny fagnatitra masina, sy hôn'ny fagnatitra nohon'ny fahotana ho fagnavotana hôn'ny Israely, amban'ijay abiaby asa hôn'ny tragnon'ny Andriamanitray.34Nagnano filokana hôn'ny fagnatitra kitay ny mpisorogna, ny Levita, sy ny vahôke. Ny filokana ny hifidy ny amin'ijay fianakavianay hitondra ny kitay ho ao an-dragnon'ny Andriamanitray amin'ny fotôgna vôtondro isan-taogna, mba hirôna eo amin'ny alitaran'i Yaveh Andriamanitray, araka ijay vôsoratre ao amin'ny lalàna. 35Nifanta ny hitondra ny vôloham-bokatra ijay mitsiry laha tamin'ny taninay, sy ny vôloham-bokatry ny hajo abiaby isan-taogna ao an-dragnon'i Yaveh ahay. 36Araka ijay vôsoratre ao amin'ny lalàna, nifanta ny hitondra ny vôlohan-terak'ireo janakay lelahy sy ireo ahomby sy ny ondry amban'osinay ao an-dragnon'Andriamanitra sy ho eo amin'ireo mpisorogna ijay manompo ao izaha.37Hondôsinay ny vôlohan-kobanay sy ny fagnatitra hohanina, ary ny vôn'ny hajo abiaby, sy ny dovay vaovao ary ny diloilo ijay hindôsina eo amin'ny mpisorogna, ho agne amin'ny efitra fagnampiriman'ny tragnon'Andriamanitray. Hindôsinay eo amin'ny Levita ny ampahafolon'ny laha tamin'ny taninay satria ny Levita die mamory ny ampahafolon-karena eo amin'ny renivohitra abiaby ijay hesanay. 38Tsy mentsy misy mpisorogna, taranak'i Arona miaraka amin'ny Levita laha mandray ny ampahafolon-karena areo. Ny Levita die tsy mentsy mitondra ny ampahafolo amin'ny ampahafolon-karena ho ao amin'ny tragnon'ny Andriamanitray ho agne amin'ny efitra fagnampiriman'ny fandatsahan-drakotra.39Ny olon'Israely sy ny taranak'i Levy ny nitondra ny fandresana anjara amin'ny vary, dovay vaovao, ary diloilo agne amin'ny efitra fagnampirimana ijay agnampirimana ny raha masina sy ijay hanompôn'ny mpisorogna, sy ny mpiambigna vavahady, ary hitobohan'ny mpihira. Tsy hatanay atsirambigna ny tragnon'ny Andriamanitray.
Chapter 11

1Nipetraka tagne Jerosalema ny mpitarika ny vahôke, ary ny vahôke ambine die nagnano filokana mba hitondrana ny raike amin'ireo folo hipetraka agne Jerosalema, ilay tanàna masina, ary ny sivy hafa nipetraka tagne amin'ny tanàna hafa. 2Avy eo ny vahôke nitso-drano ireo abiaby ijay nananolo-tegna an-tsitrapo ny honigna agne Jerosalema.3Ireo die manam-boninahitry ny faritany ijay nipetraka tagne Jerosalema. Kanefa, die nipetraka tagne amin'ny tanine aby ny olo tagne amin'ny tanànan'ny Joda, agnisan'ijay ny saragne amin'ny Israelita, ny mpisorogna, ny Levita, ny mpanompon'ny tempoly, ary ny taranaky ny mpanompon'i Solomona. 4Tagne Jerosalema ny nipetrahan'ny saragne tamin'ny taranak'i Joda sy ny taranak'i Benjamina. Ny vahôke laha tamin'ny taranak'i Joda die ahitana an'i: Ataia janaka lahin'i Ozia janaka lahin'i Zakaria janaka lahin'i Amaria janaka lahin'i Sefatia janaka lahin'i Mahalila, ilay taranak'i Fareza.5Tao i Maseia janaka lahin'i Baroka janaka lahin'i Kola Azeha janaka lahin'i Hazaia janaka lahin'i Adaia janaka lahin'i Joiariba janaka lahin'i Zakaria, janaka lahin'i Silonita. 6Ireo janaka lahin'i Fareza abiaby ijay nipetraka tagne Jerosalema die 468. Areo die lelahy miavake.7Ito aby ny taranak'i Benjamina: Salo janaka lahin'i Mesolama janaka lahin'i Joeda janaka lahin'i Pedaia janaka lahin'i Kolaia janaka lahin'i Maseia janaka lahin'i Itiela janaka lahin'i Jesaia, 8ary ireo magnaraka an'aje, die Gabay sy Salay, lelahy 928. 9Joela janaka lahin'i Zisria ny mpendrekitran-dreo, ary Joda janaka lahin'i Hasenoa die faharoe amin'ny fibekoana eo amin'ny tanàna.10Laha tamin'ireo mpisorogna: Jedaia janaka lahin'i Joariba, Jakina, 11Seraia janaka lahin'i Hilkia, janaka lahin'i Mesolama janaka lahin'i Zadoka janaka lahin'i Meraiota janaka lahin'i Ahitoba, lehiben'ny manam-pahefan'ny tragnon'Andriamanitra, 12ary ny rahalahin-dreo ijay nambôtre ny asa ao amin'ny tragno, lelahy 822, miaraka Adaia janaka lahin'i Jeroama janaka lahin'i Pelaia janaka lahin'i Amzi janaka lahin'i Zakaria janaka lahin'i Pasora janaka lahin'i Malkia.13Ny rahalahine die ireo lohan'ny foko, lelahy 242; Amasay janaka lahin'i Azarela janaka lahin'i Ahazay janaka lahin'i Mesilemota janaka lahin'i Imera, 14ary ny rahalahine mahery fo amin'ny ady 128; ny mpendrekitrane die i Zabdiela janaka lahin'i Hagedolima.15Laha tamin'ny Levita die: i Semaia janaka lahin'i Hasoba janaka lahin'i Azrikama janaka lahin'i Hasabia janaka lahin'i Bony, 16ary Sabetay sy Jozabada, ijay laha tamin'ny mpitarikan'ny Levita, ijay misahagna ny asa avelagn'ny tragnon'Andriamanitra.17Ary Matania janaka lahin'i Mika janaka lahin'i Zabdy, ilay taranak'i Asafa, ilay lehibe ijay nanomboka fanoloram-posôrana tamin'ny vavaka, ary Bakbokia, faharoe amin'ny rahalahiny, ary Abda janaka lahin'i Samoa janaka lahin'i Galala janaka lahin'i Jedotona. 18Ny Levita abiaby tao amin'ny tanàna masina die niisa 284.19Ny mpiambigna vavahady die: i Akoba, Talmoa, ary ny akamany, ijay nagnara-maso ny vavahady, lelahy 172.20 Ny Israely ambine sy ny mpisorogna ary ny Levita tao amin'ny tanànan'i Joda abiaby, Ny kiraidraike nipetraka tao amin'ny lovan-taniny aby. 21Ny mpiasan'ny tempoly nipetraka tagne Ofela, ary Ziha sy Gispa nisagna an-dreo.22Ny lehiben'ny manam-boninahitra teo amin'ny Levita tagne Jerosalema die i Ozy janaka lahin'i Bany janaka lahin'i Hasabiaha janaka lahin'i Mataniaha janaka lahin'i Mika, tamin'ny taranak'i Asafa, mpihira tamin'ny asa tao amin'ny tragnon'Andriamanitra. 23Teo ambanin'ny beko laha tamin'ny mpanjaka areo, ary ny beko hentitre ny nomena ny mpihira araka ny nitakina isan'andro. 24Avy eo Petaia janaka lahin'i Mesezabela taranak'i Zera janaka lahin'i Joda, die teo agnilan'ny mpanjaka tamin'ny raha abiaby mikasika ny vahôke.25Laha ny tanàna sy ny sahan-dreo, ny saragne tamin'ny vahôkan'i Joda die nipetraka tagne Kiriat-Arba sy ny tanànane, ary tagne Dibona sy ny tanànane, ary tagne Jekabzela sy ny tanànane, 26ary tagne Jesoa, Molada, Beti-Paleta, 27Hazarasoala, ary Biry-seba sy ny tanànane.28Ny saragne tamin'ny vahôkan'i Joda die nipetraka tagne Ziklagy, Mekona sy ny tanànane, 29Enrimona, Zora, Jarmota, 30Zanoa, Adolama, sy ny tanàn'ireo, ary tagne Lakisa sahany ary Azeka sy ny tanànane. Ka die nipetraka laha tagne Beri-sheba ka hatagne amin'ny lohasahan'i Hinoma areo. 31Nipetraka teo alohakan'i Geba mandy koa ny vahôkan'i Benjamina, tagne Mikmasy sy Aia, tagne Betela sy ny tanànane, 32tagne Anatota, Noba, Anania, 33Hazora, Rama, Gitaima,34 Hadida, Jeboima, Nebala, 35Loda, ary Ono, ary ny lohasahan'ireo mpagnano asa tagnana.36 Ny saragne amin'ny Levita ijay nipetraka tagne Joda die nitondroina tamin'ny vahôkan'i Benjamina.
Chapter 12

1Ito aby ny mpisorogna sy ny Levita ijay nagnanika niaraka tamin'i Zerobabela janaka lahin'i Sealtiela sy niaraka tamin'i Jesoa: Seraia, Jeremia, Ezra, 2Amaria, Maloka, Hatosy, 3Sekania, Rehoma, ary Meremota.4Nisy an'i Ido, Ginetoy, Abia, 5Miamina, Madia, Bilga, 6Semaia, Joiariba, Jedaia, 7Salo, Amoka, Hilkia, Jedaia. Ireo ny mpitarika an'ireo mpisorogna sy ny mpiara-miasa amin-dreo tamin'ny andron'i Jesoa.8Ireo Levita die i Jesoa, Binoy, Kadmiela, Serebia, Joda, ary Matania, ijay nisahagna ny hira fagnomejam-pisôrana, miaraka amin'ny mpiara-miasa amin'aje. 9Bakbokia sy Ono, ireo mpiara-miasa amin'aje, die nitsangagna tanjo an-dreo nandritra ny asa fanompôna.10Jesoa no iaban'i Joiakima, Joiakima niteraka an'i Eliasiba, Eliasiba niteraka an'i Joiada, 11Joiada niteraka an'i Jonatana, Jonatana niteraka an'i Jadoa.12Tamin'ny andron'i Joiakima die ito aby ny mpisorogna, lohan'ny fianakaviana: Meraia lohan'i Seraia, Hanania lohan'i Jeremia, 13Mesolama lohan'i Ezra, Johanana lohan'i Amaria, 14Jonatana lohan'i Meliko, ary Josefa lohan'i Sebania.15Adna no lohan'i Harima, Helkay no lohan'i Meraiota, 16Zakaria no lohan'i Ido, Mesolama no lohan'i Ginetona, ary 17Zikry no lohan'i Abia...an'i Miniamina. Piltahy no lohan'i Moadia. 18Samoa no lohan'i Bilga, Jonatana no lohan'i Semaia, 19Matenay no lohan'i Joariba, Ozy no lohan'i Jedaia, 20Kalay no lohan'i Salay, Ebera no lohan'i Amoka, 21Hasabia no lohan'i Hilkia, ary Netanela no lohan'i Jedaia.22Tamin'ny andron'i Eliasiba, ireo Levita Eliasiba, Joiada, Johanana, ary Jadoa ny niraketina an-tsoratre ho loham-pianakaviana, ary ireo mpisorogna ny niraketina an-tsoratre nandritra ny fanjakan'i Dariosy ilay Persiana. 23Ireo taranak'i Levy, ireo lohan'ny fianakaviane die vôrakitre an-tsoratre tao amin'ny bokin'ny tantara hatamin'ny andron'i Johanana janaka lahin'i Eliasiba.24Ireo lohan'ireo Levita die Hasabia, Serebia, Jesoa janaka lahin'i Kadmiela, niaraka tamin'ny mpiara-miasa amin-dreo, ijay nitsangagna nagnatrika an-dreo mba hagnome fiderana sy hagnome fisôrana, mifamaly isam-paritra, ho fankatoavana ny didin'i Davida, ilay lelahin'Andriamanitra. 25Matania, Bakbokia, Obadia, Mesolama, Talmona, ary Akoba no mpiambigna vavahady niambigna teo amin'ny tragno fagnampirimana teo am-bavahady. 26Nanompo tamin'ny andron'i Joiakima janaka lahin'i Jesoa janaka lahin'i Jozadaka, ary tamin'ny andron'i Nehemia ilay governora sy tamin'i Ezra mpisorogna sy mpanora-dàlana areo.27Tamin'ny fanokagnana ny mandan'i Jerosalema, die nirembe ny Levita tamin'ijay abiaby nipitrahan-dreo ny vahôke, hitondra an-dreo agne Jerosalema mba hankalaja ny fanokagnana am-pifaliana, amin'ny fanoloram-pisôrana ka hihira amin'ny kipantsona, valiha, ary amin'ny lokanga. 28Ireo mpiara-mihira die niara-nivory isan-tokony magnodidigna an'i Jerosalema sy laha tamin'ny tanàna agne Netofatita.29Laha tagne Beti-gilgala mandy koa areo ary laha tagne amin'ny sahan'i Geba ary Azmaveta, fa ny mpihira die efa nagnambôtre jana-bohitre nagnodidigna an'i Jerosalema hôn-dreo. 30Avy teo ny mpisorogna sy ny Levita die nagnadio ny tegnan-dreo, ary avy teo nagnadio ny vahôke, ny vavahady, ary ny manda.31Ary nampekariko tegne an-tampon'ny manda ireo lohan'i Joda, ary nanondro antokom-pihira makadiry roe ijay nagnome fisôrana iaho. Ny raike nandeha tagne an-kavanan'ny manda negneo amin'ny Vavahadin-Jezika.32Hosaia sy ny asasaky ny mpitarik'i Joda nagnaraka an-dreo, 33ary nagnaraka an-dreo i Azaria, Ezra, Mesolama, 34Joda, Benjamina, Semaia, Jeremia, 35sy ny saragne tamin'ny janaka lahin'ny mpisorogna niraraka tamin'ny trompetra, ary Zakaria janaka lahin'i Jonatana janak'i Semaia janak'i Matania janak'i Mikaia janak'i Zakora janak'i Asafa.36Nisy an'ireo havan'i Zakaria mandy koa, die Semaia, Azarela, Milalay, Gilalay, May, Netanela, Joda, Hanany, niaraka tamin'ny java-magnenon'i Davida ilay lelahin'Andriamanitra. Ezra mpanora-dalàna die teo alohakan-dreo.37 Teo akekin'ny Vavahadin-Doharano ny nagnanika nahitsy tamin'ny tohatre tao amin'ny tanànan'i Davida, tamin'ny jana-tohatre megnagne amin'ny manda ambonin'ny lapan'i Davida, tagne amin'ny Vavahadin-Drano eo atsignanana areo.38Nandeha tamin'ny lalan-kafa ny antoko mpihiran'ireo ijay nagnome fisôrana. Nagnaraka an-dreo teo amin'ny manda niaraka tamin'ny asasaky ny vahôke iaho, ary teo ambonin'ny Tilikambon'ny Fatana, teo amin'ny Manda Makadiry, 39ary ambonin'ny Vavahadin'i Efraima, ary teo amin'ny Vavahady Taloha, ary teo amin'ny Vavahadin'ny Hazan-drano ary ny Tilikambon-jato, teo amin'ny Vavahadin'ny Ondry, ka nijanogna teo am-Bavahadin'ny mpiambigna areo.40Ka nangala ny toeran-dreo tao an-dragnon'Andriamanitra ny antokom-pihira roen'ny ijay nagnome fisôrana, ka nangala ny toerako niaraka tamin'ny asasaky ny manam-pahefana niaraka tamin'ahe mandy koa iaho. 41Avy teo die nangala ny toerany ny mpisorogna: Miniamina, Mikaia, Elioenay, Zakaria, ary Hanania, amban'ireo trompetra, 42sy Mahaseia, Semaia, Eleazara, Ozy, Johanana. Malkia, Elama, sy Ezera mandy koa, ary ny mpihira nagnano ijay haharignesana an-dreo ary Jizrahia ny mpitarika an-dreo.43Nanolotra sorogna makadiry areo tamin'ijay andro ijay, ka niravo, satria Andriamanitra nampiravo an-dreo tamim-pifaliana makadiry. Ny viave sy ankizy mandy koa die nifaly. Ka regny avy lavitra ny fifalian'i Jerosalema.44Tamin'ijay andro ijay die nisy lelahy nitondroina hisahagna ny tragno fagnampiriman-drakitra, ny vôloham-bokatra, ary ny ampahafolon-karena, mba hamory ny anjara takin'ny lalàna hôn'ny mpisorogna sy hôn'ny Levita ao amin'ireo. Ny Kiraidraike die nitondroina mba hiasa ny saha akekin'ny renivohitra. Satria nifaly tamin'ny mpisorogna sy ny Levita ijay nitsangagna teo alohakan-dreo i Joda.45 Nagnatanteraka ny asa hôn'ny Andriamanitran-dreo, sy ny asa fagnadiovana an-dreo, nagnano hôtran'ijay koa ny mpihira sy ny mpiambigna vavahady, tamim-pitandremana ny didin'i Davida sy Solomona janagne lelahy.46Fa taloha ela be, tamin'ny andron'i Davida sy Asafa, die nisy mpitarika ny mpihira, sady nisy hira fiderana sy fagnomejam-pisôrana ho an'Andriamanitra. 47Tamin'ny andron'i Zerobabela sy tamin'ny andron'i Nehemia, die nagnome ny anjara isan'andro hôn'ny mpihira sy ny mpiambigna vavahady ny Israely abiaby. Natokagnan-dreo ny anjara hôn'ny Levita, ary ny Levita nanokagna anjara hôn'ny taranak'i Arona.
Chapter 13

1Tamin'ijay andro ijay die nivakin-dreo teo an-tadignin'ny vahôke ny Bokin'i Mosesy. Hita vôsoratre tao amin'ijany fa tsy misy Amonita na Moabita tokone hiditra ao amin'ny fengonan'Andriamanitra, mandrakijay.2 Ijany die satria tsy avy teo amin'ny janak'Israely niraraka tamin'ny mofo sy rano areo, fa nagnarama an'i Balama mba hanitsike ny Israely areo. Na die ijay aja, navadiky ny Andriamanitrantsena ho fitahiena ny tsitsike. 3Laha vô naharegny ny lalàna areo, die nisarahin-dreo tamin'Israely ny olo hafa firenena abiaby.4Ka talohan'ijay io Eliasiba mpisorogna io die vôtondro ho ao amin'ny tragno fagnampiriman'ny tragnon'Andriamanitrantsena. Ijy die nanagna fifandresana tamin'i Tobia.5 Nikarakara efitragno fagnampirimana makadiry ho an'i Tobia i Eliasiba, ijay nampiriman-dreo ny fagnatitra hohanina, ny ditin-kajo magnitre, ny kojakoja, sy ny ampahafolom-bokatra, dovay vaovao, ary ny diloilo, ijay vôtokagna hôn'ny Levita, ny mpihira, ny mpiambigna vavahady, ary ny anjara hôn'ny mpisorogna talohaka tagne.6Kanefa tamin'ijay fotôgna abiaby ijay die tsy tao Jerosalema iaho. Fa nandeha tagne amin'ny mpanjaka iaho tamin'ny faharoe amby telopolo taogna nanjakan'i Artaksersesy mpanjakan'i Babylona. Fotôgna vitsy tafaran'ijay die nangataka alalagna hienga ny mpanjaka iaho, 7ka nimpody tagne Jerosalema. Fantatro mako ny ratsy ijay efa natan'i Eliasiba tamin'ny nagnomejane an'i Tobia efitragno fagnampirimana makadiry tao an-kianjan'ny tragnon'Andriamanitra.8Vignitra mahare iaho ka navôkako teo avelagn'ny efitragno fagnampirimana aby ny entagn'ny havan'i Tobia abiaby.9 Nandidy ny hagnadiovan-dreo ny efitragno fagnampirimana iaho, ka nampodiko tao amin'io ny entagnan'ny tragnon'Andriamanitra, ny fagnatitra hohanina, ary ny ditin-kajo magnitre.10Fantatro fa mbola tsy nomena an-dreo ny anjaran'ny Levita, ka nilefa areo, samby negnagne amin'ny taniny aby, ny Levita sy ny mpihira ijay nagnano ny asa. 11Ka nifagnatrika tamin'ny manam-boninahitra iaho ka nagnano hoe: "Nagnino no tsinotsiniaviana ny tragnon'Andriamanitra?" Navoriko niaraka ka natobokako tamin'ny toerany io.12Avy teo die nitondra ny ampahafolom-bokatra, ny dovay, ary ny diloilo hôn'ny efitragno fagnampirimana ny Joda abiaby. 13Nanondro an'i Selemia mpisorogna sy Zadoka mpanora-dalàna, ary tamin'ny Levita, Pedaia, ho mpitam-bolan'ny tragno fagnampiriman'Andriamanitra iaho. Teo agnilan-dreo i Hanana janaka lahin'i Zakora janaka lahin'i Matania, fa areo ny vôjaka ho mendri-pitokisana. Ny adidin-dreo die ny mijara ny vatsy hôn'ny mpiara-miasa amin-dreo. 14Tadidio iaho, ry Andriamanitro, mikasika ijany, sady aja fafàna ny asa tsara ijay efa namboariko hôn'ny tragnon'Andriamanitra sy ny fanompôna ijany.15Ka tamin'ijay andro ijay die nahita ny vahôke tao Joda nagnosihosy famiajam-bôloboke tamin'ny Sabata ary nitondra salohim-bary ka nampitondra iregne tamin'ny borikiny, ary koa dovay, vôloboke, aviavy, ary ny karajan-draha mavesatra abiaby, ijay nindôsin-dreo tao Jerosalema tamin'ny andro Sabata iaho. Nanohitra mahare ny nivarotan-dreo hanina tamin'ijay andro ijay iaho.16Ny lelahy laha tagne Tyro nipetraka tao Jerosalema die nitondra hajandrano sy entam-barotra sambihafa, ka namidin-dreo tamin'ny andro Sabata tamin'ny vahôkan'i Joda sy tao amin'ny tanàna iregne! 17Ary nifagnatrika tamin'ny mpitarik'i Joda iaho hoe: "Ino ijao java-dratsy amboarinareo, mandoto ny andro Sabata ijao? 18Moa nambôtra an'ijao ve ny rajagnareo? Moa tsy Andriamanitra ve ny nitondra an'ijao ratsy abiaby ijao tamintsena sy tamin'itoy tanàna itoy? Ankehitriny anareo die mitondra havignirana bebe kokoa amin'Israely tamin'ny fandotoana ny Sabata."19Laha vantany vô mejigna teo amin'ny vavahadin'i Jerosalema talohakan'ny Sabata, die nandidy ny hikatognan'ny varavaragna sy ny tsy tokone hivohan'io koa hatamin'ny afaran'ny Sabata iaho. Nametraka ny saragne tamin'ny mpanompoko teo amin'ny vavahady iaho mba tsy hisian'ny entagna ho afaka indôsina miditra amin'ny andro Sabata.20 Nitoby tagne avelagn'i Jerosalema indraike mandeha na indroe ny mpandranto sy mpivarotra karajagn'entagna abiaby.21Nefa iaho nampitandrigna an-dreo hoe: "Nagnino anareo no mitoby avelagn'ny manda? Laha mbola mamerigna an'ijay anareo, die hikasi-tagnana anareo iaho!" Nanomboka tamin'ijay fotôgna ijay die tsy avy tamin'ny andro Sabata koa areo. 22Avy teo nandidy ireo Levita iaho mba hagnadio ny tegnan-dreo, ka ho avy hiambigna ny vavahady, mba hagnamasina ny andro Sabata. Tadidio mandy koa iaho ny amin'ijay, ry Andriamanitro, ka mamindrà fo amin'ahe nohon'ny tsy fivadiham-pagnekena anagnanao amin'ahe.23Tamin'ijay andro ijay die nahita ny Jiosy ijay nanambady ny viavin'i Asdoda, Amona, ary Moaba mandy koa iaho.24 Nijaka tamin'i fijakan'i Asdoda ny asasaky ny taranakan-dreo. Tsy nisy tamin-dreo nahay nijaka ny fijakan'ny Joda, fa ny fijakan'ny raike amin'ny olo hafa rerike mandy.25Nifagnatrika tamin-dreo iaho, ka nanitsike an-dreo, sady nandraha ny saragne tamin-dreo sy nandroritra ny volon-dreo. Nampifanta an-dreo tamin'Andriamanitra iaho, nagnano hoe: "Anareo die tsy tokone hagnome ny janaka viavinareo ho an'ny janaka lahin'ijy iregne, na hangala ny janaka viavin'iregne hôn'ny janaka lelahinareo, na hônareo.26 Moa tsy nagnota tamin'ireo viave ireo i Solomona mpanjakan'Israely? Tsy nisy mpanjaka hôtran'aje tamin'ny firenena maro, ka tian'ny Andriamanitrane ijy, ary Andriamanitra nagnano an'aje ho mpanjaka nagneragna ny Israely abiaby. Na die ijany aja, nampagnontain'ireo vadiny hafa firenena ijy. 27Moa ve tokone hiteno anao ahay ka hagnano ijany ratsy lehibe ijany, ka mivadika amin'ny Andriamanitrantsena amin'ny fangalàna viave hafa firenena ho vady?"28Raike amin'ny janaka lahin'i Joiada janaka lahin'i Eliasiba mpisorognabe die vinanto lahin'i Sanbala Horonita. Noho ijany die nampilefaiko tamin'ny fagnatrehako ijy. 29Tadidio ijy iregne, ry Andriamanitro, satria efa nandoto ny fisorognana, sy ny fagneken'ny fisorognana ary ny Levita.30Hôtran'ijay ny nandiovako an-dreo tamin'ny raha abiaby hafa firenena, ka nametraka ny adidin'ny mpisorogna sy ny Levita, ny kiraidraike ho samby amin'ny asany aby. 31Namatsy tamin'ny fotôgna vôtondro ny fagnatitra kitay sy ny vôloham-bokatra iaho. Tadidio amin'ny tsara iaho, ry Andriamanitro.

Esther

Chapter 1

1Tamin'ny andron'i Ahasoerosy (Ahasoerosy no nanjaka hat-India ka hat-Etiopia, nandrakotra ny fdaritany 127), 2tamijany andro jany dia nipetraka tamin'ny seja fiendriagnany tamin'ny ferovana mafin'ny Sosagna i Ahasoerosy mpanjaka.3Tamin'ny taogna fahatelo nanjakane, dia nagnano fanasana hôn'ny manam-pahefana sy ny mpanompony abiaby ijy. Ny tafik'i Persia sy Media, ny lelahy manan-kaja, sy ny governoran'ny faritany tamin'ny fagnatrehany teo. 4Nampiharihary ny haren'ny famirapiratan'ny fanjakany sy hajan'ny voninahitrin'ny fahalehibiajany nandritra ny andro rahabe, nandritra ny 180 andro ijy.5Ary laha tapitra io andro io, dia nagnano firavoravôna nandritra ny fito andro ny mpajaka. Natao hôn'ny olo abiaby tamin'ny ferovana maherin'i Sosana jane, hatamin'ny lehibe ka hatramin'ny kely indrindra. Natao tan-kianjan'ny jaridaignan'ny lapan'ny mpanjaka jane. 6Ny kianjan'ny jaridaigna die vôhengo tamin'ny lamba vita amin'ny landihajo fotsy sy volomparasy, tamin'ny kofehin-drongony fotsy madinika sy volomparasy, nisampy tamin'ny mason-drojo volafotsy hatamin'ny andrin'ny marbra. Nisy farafara volamena sy volafotsy tamin'ny filaharan'ny lampivato porfira, marbra, hara, sy rarivato miloko.7Naroso tamin'ny kapôka volamena ny java-pisotro. Ny kapôka tsirairay dia tsy manam-paharoa sady rahabe tokôtra ny divaim-panjakana nohon'ny fahalalahan-tagnan'ny mpanjaka. 8Ny java-pisotro dia nandao nivôka ho fagnajana ny didy hoe: "Tsisy faneriterena." Nagnome beko ny mpiasa abiaby tan-dapany ny mpanjaka ba hanao jay rehetra irin'ny vahiny kirai-draike.9Ka nagnano fanasana hôn'ny viavy hiany koa i Vasty mpanjaka vavy tamin'ny lapan'i Ahasoerosy mpanjaka. 10Tamin'ny andro fahafito, laha nahatsiaro faly ny fon'ny mpanjaka tratrin'ny divay, dia nijaka tamin'i Mehomana, Bizta, Harbona, Bigta, Abagta, Zetara, i Karkasa (Jay manamboninahitra fito nanompo talohane) ijy, 11ba hitondra ny mpanjaka vavy Vasty hôlohany eo miaraka amin'ny satro-boninahine. Tieny haseho amin'ny vahôka sy manam-boninahitra ny hatsarane, satria manaitra lôtra ny endrigne.12Fa nandà ny handeha araka ny jakan'ny mpanjaka jay nandan'ny manam-boninahitra taminajy teo i Vasty mpanjaka vave. Aviteo dia vignitra mafy ny mpanjaka; nirehitra tagnatiny tao ny havignirana.13Noho jany ny mpanjaka dia nifandinika tamin'ny lelahy jay fantatra fa hendry, jay mahafantatra ny andro (fa jany no fatan'ny mpanjaka mahakasika ny jay rehetra manam-pahejana manokagna amin'ny lalàna sy fitsaràna). 14Sady ny marivo anajy indrindra die i Rarsena, Setara, Admata, ny andriena fiton'i Persia sy Media. Afaka nifanerasera tamin'ny mpanjaka areo, sady nitagna ny toerana ambony tamin'ny fanjakana tao. 15"Araka ny fagnarahan-dalàna, ino no tokony hatao amin'i Vasty mpanjaka vavy nohon'ny tsy fankatoavany ny bekon'i Ahasoerosy mpanjaka, jay nandan'ny manam-boninahitra taminajy teo?"16Hoy Memokana talohan'ny mpanjaka sy manam-boninahitra hoe: 'Tsy tamin'ny mpanjaka hiany i Vasty mpanjaka vave no nagnano fahadisôna, fa tamin'ny manam-boninahitra sy ny vahôka jay manerana ny faritanin'i Ahasoerosy mpanjaka hiany koa. 17Fa ny raha natan'ny mpanjaka vavy dia ho fantatrin'ny viavy abiaby. Hahalasa an-dreo hamingavinga ny vadin-dreo jane. Hijaka areo hoe: 'Nagnome didy i Ahaserosy mpanjaka ba handao alohan'i Vasty mpanjaka vave, fany nandà ijy. 18Melohan'ny hefaran'itoy andro toy hiany ny andrembavin'i Persia sy Media jay naharegny ny raha natan'ny mpanjaka vavy dia hijaka hôtranijany amin'ny manam-boninahitry ny mpanjaka koa. Dia hisy famingavingana sy havignirana be.19Laha ankasitrahan'ny mpanjaka jane, dia ôka hisy didim-panjakana hivîka hataminajy agne. sady ôka ho vôsoratra amin'ny lalànan'i Persianina sy Medianina, jay sty ajo foagnana, fa Vasty dia tsy mahajo mandeha alohany eo koa. Ôka homen'ny mpanjaka hôn'ny viavy jay tsara noho anajy ny toerana maha-mpanjaka anaje. 20Laha vôtory magneragna ny fanjakana midadasika jany didin'ny mpânjaka jane, dia hagnaja ny vadiny daholo ny viavy abiaby, manomboka hatamin'ny lehibe ka hatamin'ny madinike."21Dia sitraky mpanjaka sy nendrieny jany torohevitra jane, ka die nagnano araka jay nanoloran'i Memokana hevitra anajy ny mpanjaka. 22Nandefa taratasy hômin'ny faritanim-panjakana abiaby ijy, hônijay faritany araka sorany aby, ary hôn'ny firenena tsirairay araka ny fijakany aby. Nagnano didy ijy fa jay lelahy abiaby dia ho masi-mandidy amin'ny tokatragnony aby. Name araka ny fijakan'ny vahôka tsirairay tamin'ny fanjakany jany didy jane.
Chapter 2

1Tafaran'io raha io, laha niegnina ny havigniran'i Ahasoerosy mpanjaka, dia nieritreritra an'i Vasty sy jay efa natany ijy. Nieritreretiny koa ny didy jay nandany nitsàna anaje. 2Dia hoy ny tovolahin'ny mpanjaka jay nanompo anajy hoe: "Ôka hisy fandrombejana tovovavy tsara sady virijiny hôn'ny mpanjaka.3Ôka ny mpanjaka hanendry manam-pahefana amin'ny faritany abiaby amin'ny fanjakane, ba hamorena ny tovovavy tsara sady virijiny abiaby hôn-dragnom-biavy amin'ny ferovana maherin'ny Sosana agne. Ôka areo hapetraka ambany fehien'ny mpanjaka ao, Hegay, tsendragnolahin'ny mpanjaka, jay miendrekitra ny viave, sady ôka ijy hagnome an-dreo ny fikolôna ny endri-dreo. 4Aka ny tovovavy jay mahafaly ny mpanjaka hanjary mpanjaka vavy amin'ny toeran'i Vasty eo." Die nahafaly ny mpanjaka jany toro-hevitra jane, ka die nitanterahiny jane.5Ary niosy Jiosy raika tamin'ny ferovana maherin'i Sosana tao jay nangihana hoe Mordekay janaka lahin'i Jaira janaka lahin'i Simey janaka lahin'i Kisy, jay taranak'i Benjamina. 6Nandao hata-Jerosalema niaraka tamin'ny sesitany hatamijay nalaina niaraka tamin'i Jekkonia, mpanjakan'i Joda, jay nigadrain'i Nebokadnezara mpanjakan"i Babilona ijy.7Ijy no niteja an'i Hadasa, jay atao hoe, Estera, janaka vavin'ny dadatoane, satria tsy nanagna na ray na reny ijy. Tovovavy io viavy sady manam-bika maha-te-ho tia. Dia niresin'i Mordekay hôtran'ny janagny vavy ijy.8Laha nilajaina ny beko sy didin'ny mpanjaka, dia tovovavy rahabe no nandao tagny amin'ny ferovana maherin'i Sosogna. Nabela tambany fiehen'i Hegay areo. Dia nandao tan-dapan'ny mpanjaka tao koa i Estera ka nabela tambany fehien'i Hegay, jay mpiandrekitra ny viave. 9Dia nahafaly anajy io tovovave io, ka nahita fankasitrahana taminajy ijy. Avy hatrany die nameny ny fikolôna endrike sy anjara rahaniny ijy. Dia nanendry mpanompovavy fito hatan-dapan'ny mpanjaka hônajy jy, ka nafindrany tamin'ny toerana tsara indrindra tan-dragnon'ny viavy sy mpanompovavy ijy.10Tsy nilajain'i Estera taminija na ija jay fireneny na ny havane, satria efa nanarin'i Mordekay ijy ba tsy hijaka. 11Isan'andro dia mivejivejy alohan'ny kianja ivelan'ny tragnon'ny viavy i Mordekay, ba hahafantarany ny momban'i Estera, sy mombanijay hatao taminaje.12Laha avy nenjaran'ny tovovavy isanisany ba hômin'i Ahasoerosy mpanjaka__arakan'ny didy sy fitsipika hôn'ny viave, dia tsy mentsy mahafeno fikarakarana hatsaram-batagna mandritry ny roy ambin'ny folo volagna ny tovovavy isanisane, enim-bolagna miaraka amin'ny menaka miora, sady enim-bolagna koja miaraka amin'ny raha magnitra sy fikolôna endrika__ 13laha nandeha agny amin'ny mpanjaka ny tovovavy raika, dia name anajy jay rehjetra nilainy tan-dragnon'ny viave tao, ba hônajy handao an-dapa ao.14Hariva dia hiditra agnatiny ao ijy, ary ny marina koja dia hiverigna an-dragno faharoan'ny viavy ao ijy, ary an-dragno ferovan'i Sasegaza, tsendragnolahin'ny mpanjaka, jay nendrekitra ny voditsindragno. Dia tsy hipody aùin'ny mpanjaka agny koa ijy laha tsy efa nahajo fifalem-be tamin-draviave, ka nangaika anajy koa.15Laha avy ny fotôn'gni EZstera (janaka vavin'i Abihaila, rahalahin-drain'i Mordekay, jay efa nandray anajy hôtran'ny janagny vave) hidirany tamin'ny mpanjaka tao, dia tsy nangataka na ino na ino ijy, ankôtranijay natolotr'i Hegay tsendragnolahin'ny mpanjaka, jay nendrekitra ny viave, hiany. Sady nahajo fankasitrahana tamijay rehetra nahita anajy i Estera. 16Dia nandao tamin'i Ahasoerosy mpanjaka tagny ba hômin'ny toeram-ponegnan'ny mpanjaka tamin'ny volagna faha folo i Estera, jay volan'gni Tebeta, tamin'ny fahafito taogna nanjakane.17Dia tien'ny mpanjaka mihôtra ny viavy abiaby i Estera sady nahajo fagnekena sy fankasitrahana taminajy teo ijy, mihôtra ny virijiny abiaby. Noho jany dia nampanôviny satro-boninahitra tamin'ny lohany teo sady natany mpanjaka vavy ho solon'i Vasty ijy. 18Dia name fanasana angeja be hôn'ny manam-pahefany abiaby ny mpanjaka, "fanasain'i Estera," sady nameny fahafahana tamin'ny fandoavan-ketra ny faritane. Dia nagnome fagnomejana tamin'ny fahalalahan-tagnan'ny mpanjaka koa ijy.19Ary laha tafavory fagnindroany ny virijiny, dia nitoboka tam-bavahadin'ny mpanjaka i Mordekay. 20Bola tsy nilaja tamin'ija na ija mahakasika ny havany na ny fireneny i Estera, arak'jay nagnanaran'i Mordekay nanaje. Dia nagnaraka fehijay jay torohevitr'i Mordekay ijy, arak'ijay efa natany tamin-dry bola nitejaine. 21Tamijany andro jane, laha nitoboka tam-bavahadin'ny mpanjaka teo i Mordekay, dia sorena sady mitady hagnisy ratsy an'i Ahasoerosy mpanjaka, ny rolahiteo tamin'ny tsendragnolahy, dia Bigtana sy Taresy, jay niambigna ny vavahady.22Laha fantatr'i Mordekay ny java-misy, dia nitantarainy tamin'i Estera mpanjakavavy, ary Estera koja nivoria tamin'ny mpanjaka tamin'ny agnaran'i Mordekay. 23Vôhadihady sady vômarigna ny tatitra, ka nasampy tamin'ny hajo fanampajana ijy mirahalahy. Nisoratana tagnatin'ny Bokin'Ny Tantara tamason'ny mpanjaka jany tantara jane.
Chapter 3

1Tafaran'io raha io, dia natsangan'gni Ahasoerosy mpanjaka i Hamana janak'i Hamedota Agagita ao, sady nabelany ambonin'ny manam-pahefana abiaby jay niaraka taminajy ny toeram-pahefane. 2Je mpanompon'ny mpanjaka abiaby jay tam-bavahadin'ny mpanajak dia nandohalika sy nenkohoka tamin'i Hamana, arakijay nibekôkon'ny mpanjaka hatan-dreo. Nefy tsy nandohalika na nenkohoka taminajy i Mordekay.3Dia hoy ny mpanompon'ny mpanjaka jay tam-bavahadin'ny mpanjaka tamin'i Mordekay hoe: "Nahôna anao no tsy mankatò ny didin'ny mpanjaka?" 4Nivoria taminajy isan-andro areo, nefa nandà ny hagnantaterahana ny fangatahan-dreop ba hijaha laha nibela hôtranijay ny raha momban'i Mordekay, fa ijy diefa nilaja tamin-dreo fa Jiosy ijy.5Laha hitan'i Hamana fa tsy nandohalika sady nenkohoka taminajy i Mordekay, dia feno havignirana ijy. 6Nandà ny hevitra hamono an'i Mordekay rerika mandy ijy, fa ny mpanompon'ny mpanjaka nilaja taminajy hoe ija moa vahôkan'i Mordekay. Naniry ny handringagna ny Jiosy abiaby i Hamana, ny vahôkan'i Mordekay, jay tamin'ny fanjakan'i Ahasoerosy manontolo tao.7Tamin'ny volagna vôlohany (Jay volan'gni Nisana), tamin'ny faharoa ambin'ny folo taogna nanjakan'i Ahasoerosy, dia ny Pora__ jay no loka__ natsipy tamason'i Hamana, ba hifidianana andro sy volagna. Dia natsipin-dreo fehijay ny loka mandra-pilatsahan'ijay tamin'ny volagna faha rômbin'ny folo teo (jay volan-gny Adara).8Dia hoy Hamana tamin'i Ahasoerosy Mpanjaka hoe: "Misy vahôka sasagny miely sady miparitaka magneragna ny faritanin'ny fanjakanao abiaby. Ny lalàn-dreo dia hafa nohonen'ny vahôka sasagne, ary areo dia tsy ba mitandrigna ny lalàn'ny mpanjaka, ka tsy mahatsara ny mpanjaka ny famelana an-dreo hiegnina. 9Fa laha sitraky ny mpanjaka, dia magnomeja beko ba hamonôna an-dreo, ary handoa talenta volafotsy ray aligna an-tagnan'ny mpagnano raharahan'ny mpanjaka eo aho, ba handao amin'ny rakitry ny mpanjaka ao."10Dia nandray ampety fitombokase tamin'ny tagnany ny mpajaka sady nameny an'i Hamana janaka lahin'i Hamedata Agatita, fahavalon'ny Jiosy. 11Hoy ny mpanjaka tamin'i Hamana hoe: "Hitako fa nampody taminareo sy vahôkanareo ny vola. Hatanareo amijay rehetra hirinareo jane."12Dia vôhaika tamin'ny andro fahatelo ambin'ny folo tamin'ny volagna vôlohany ny mpanora-dalàn'ny mpanjaka, sady ny lalàna abiaby jay nandidien'i Hamana dia nisoratana hôn'ny governoram-paritanin'ny mpanjaka, hônijay tamin'ny faritany abiaby teo, hôn'ny governoran'ny olo samihafa abiaby, ary hôn'ny manam-pahefan'ny vahôka abiaby, isakin'ny faritany ny soratagnan-dreo, sy hôn'ny vahôka abiaby isakin'ny fijakany aby. Dia nisoratana tamin'ny agnaran'i Ahasoerosy mpanjaka jany sady vôtombokase tamin'empetine. 13Natolo-tagnana tamin'elalan'ny iraka tamin'ny faritanan'nympanjaka abiaby tagny ny antontan-taratasy, ba handringagnana, hamonôna, sady hamotehana ny jiosy abiaby, manomboka amin'ny tanora ka hatramin'ny antitre, ary ny jaja sy viave, agnatin'ny andro raika__amin'ny andro faha-telo ambin'ny folo amin'ny volagna faharoa ambin'ny folo (jay volan'gni Adara) __ sady ba handrobana ny haren-dreo.14Natao lalàna isaky ny faritany ny dika amin'ny taratasy. Dia nampahafantarina ny vahôka abiaby isaky ny faritany abiaby fa tokony hiomagnan-dreo hômijany andro jane. 15Dia nivôka ny iraka sady nijara nalaky ny didin'ny mpanjaka. Efa vôjara tamin'ny ferovana marén'ny Sosana tyao hiany koa ny lalàna. Nitoboka ba hinogna i Hamana sy mpanjaka, nefa tagnaty korontagna ny tanànan'ny Sosana.
Chapter 4

1Laha fantatr'i Mùordekay jay efa vita abiaby, dia nirotainy n'ekanjony ka nagnano lamba fisôgnana sady nihoson-dakevigna ijy. Nandeha nivôka tagnivon'ny tanàna ijy, sady nihiekieka sady nidradradradra maré. 2Avy lavitra tamin'ny vavahadin'ny mpanjaka teo fotsiny ijy, satria tsy nisy olo nahajo alalagna handeha miaraka amin'ekanjo fisôgnana jany eo. 3Ary tagny amin'ny faritra abiaby, na taja na taja lasan'ny nibeko sy lalàn'ny mpanjaka, dia nisy fisôgnana angeja be tamin'ny Jiosy teo, niaraka tamin'ny fifadien-kanina, fitomagniena, die fitaregnana. Rahabe tamin-dreo no natory tamin'ny lamba fisôgnana sy lakevigna teo.4Laha avy ny janakavavin'i Estera sy ny mpânompony sady nijaka taminaje, dia nalahelo maré ny mpanjaka vave. Nandefa fitafena hampenkanjona an'i Mordekay ijy -ba ahafahany mangala ny akanjo fisôgnane), nefa tsy hagneky areo. 5Aviteo Estera nangaika an'i Hatàka, raika amin'ny tsendragnolahin'ny mpanjaka jay nitindrena hanompo anaje. Nibeko anajy ba handeha agny amin'i Mordekay ijy ba hahafantarana jay nitranga sy jay anton'ijay.6Noho jany dia nandeha amin'i Mordekay agny amin'ny tanàna alohan'ny vavahadin'ny mpanjaka i Hakàta. 7Nilajain'i Mordekay taminajy jay rehetra nitranga taminaje, sy fitambaran'ny volafotsy jay nampagnantenain'i Hamana haloa sady hapetraka amin'ny tragno fagnatsarejan'ny mpanjaka ao ba hamonôna ny Jiosy. 8Nameny anajy koa ny dika mitovy tamin'ny lalàna jay navôka ta Sosana nemin'ny fagnapotehana ny Jiosy tao. Natany jany ba ahafahan'i Hatàka magnatoro anijany amin'i Estera, sy ba hagnomejany anajy ny andrekitra namin'ny fandihanana agny amin'ny mpanajaka ba hitalaho ny fankasitrahane, ary hitalaho amin'egnaran'ny vahôkane.9Ka die nandeha i Hatàka sady nilaja tamin'i Estera jay nilajain'i Mordekay. 10Aviteo Estera nivoria tamin'i Hatàka sady nilaja taminajy ba hipody agny amin'i Mordekay. 11Hoy ijy hoe: "Fantatrin'ny mpanompon'ny mpanjaka abiaby sy vahôkan'ny mpanjaka agny amin'ny faritra fa laha misy lelahy na viavy mandeha amin'ny mpanjaka agnatin'ny kianja ao nefa tsy nampagnantsovina, dia misy lalàna raika fotsine: dia ny hamonôna anajy ho fate__ankôtran'ijay tondroin'ny mpanjaka amin'ny tehim-bolamena ba ahafahany ho velogna. Tsy nangihana handeha agny amin'ny mpanjaka aho nandritra anijay telopolo andro jay." 12Noho jany dia nitanterahin'i Hatàka tamin'i Mordekay ny jakan'i Estera.13Nandefa anijao hafatra jao Mordekay hoe: "Tsy tokony hieritreritra anao fa ao amin'ny lapan'ny mpanjaka, no afahanao mihôtra nohon'ny Jiosy hafa abiaby. 14Laha mangigna anao amijao fotôgna jao, dia hisy fagnafahana sy famonjena hitranga amin'ny Jiosy amin'ny toeran-kafa agne, fa anao sy ny tragnon'iabanao koja die ho ringagna. Ija no mahalala raha hômin'ny fotôgna hôtran'ijao no nievenao hômin'ny toerana maha-mpanjaka?"15Aviteo Estera nandefa anijao hafatra jao tamin'i Mordekay hoe: 16"Mandihana, avorio hiaraka ny Jiosy abiaby jay monigna a Sosana agne, ary mifadia hanina hônahy. Aja minogna na mihinagna mandritry ny telo andro, aligna sy andro. Aho sy janako vavy hiany koa dia hifady hôtranijane. Aviteo aho handeha agny amin'ny mpanjaka, na dia mandika ny lalàna aja jane, sady laha maty aho, dia mate." 17Nenga Mordekay sady nagnano jay rehetra nilajain'i Estera anajy ba hatao.
Chapter 5

1faka telo andro, nanôvan'i Estera n'ekanjo fiendriagnany sady nandeha nitsangagna tao agnatin'ny kianjan'ny lapan'ny mpanjaka, talohan'ny tragnon'ny mpanjaka ijy. Ny mpanjaka nitoboka tamin'ny seja fiendriagnany teo tamin'ny tragnon'ny mpanjaka tao, mifagnatrika amin'ny fidiran'ny tragno. 2Laha nahita an'i Estera mpanjaka nitsangagna tan-kianja teo ny mpanjaka, dia nahajo fankatoavana tamasony teo ijy. Nitondroiny tamin'ny tehim-bolamena tan-tagnany tegny ijy. Ka dia nagnantogna i Estera ka nanendry ny tendron'ny tehim-panjakana.3Aviteo nijaka tamin'ny mpanjaka hoe: "Ino ilainao, a Estera mpanjaka? Ino ba fangatahanao? Na dia mihôra n'esasaky ny fanjakako aja, dia hame anao jane." 4Hoy Estera hoe: "Laha ankasitrahan'ny mpanjaka jane, dia aleo i mpanjaka sy Hamana ho avy amin'ny fanasana jay nomagniko hônajy niany."5Dia nijaka ny mpanjaka hoe: "Andôsy malaky Hamana, ba hanao jay nijakain'i Estera.'' Ka dia nandeha agny amin'ny fanasana jay nomagnin'i Estera ny mpanjaka sy Hamana. 6Laha naroso tamin'ny fanasana ny divay tao, dia nijaka tamin'i Estera ny mpanjaka hoe: "Ino rombejinao? Fa hame anao jane. Ino ba fangatahanao? Fa na dia mihôtra n'esasaky ny fanjakako aja, dia hame jane."7Namaly Estera hoe: "Jao no rombejiko s'engatahiko, 8laha mahita fankasitrahana amason'ny mpanjaka eo aho ary laha ankasitrahan'ny mpanjaka ny hagnome anijay tadiaviko sady hagnaja ny fangatahako, dia aleo ny mpanjaka sy Hamana ho avy amin'ny fanasana jay homagniko hônareo lahampitso sady hamaly jay fagnotanen'ny mpanjaka aho.'"9Nivôka tamijany andro jany tamin'ny fo faly sady ravo i Hamana. Fa laha hitan'i Hamana tamin'ny vavahadin'ny mpanjaka teo i Mordekay, sady tsy nitsangagna na nangorohoro tamin-tahotra talohan'i Mordekay, dia feno havignirana tamin'i Mordekay ijy. 10Na di'jay aja, dia nifehy tegnany i Hamana ka nandeha tan-dragnony tagne. Nampagniraka jay akamany ijy ka nampivory an-dreo, niaraka tamin'i Zaresa vadine. 11Nampodin'i Hamana nitanisaiana tamin-dreo ny famirapiratan'ny harene, ny isan'ny janagny lahy rahabe, ny fampanondrotana abiaby jay nagnomejan'ny mpanjaka voninahitra anaje, ary ny fomba nandrosôny tamin'ijay manamboninahitra sy ny mpanompon'ny mpanjaka abiaby.12Hoy Hamana hoe: "Estera mpanjaka dia tsy nanasa olo afa-tsy aho ho avy miaraka amin'ny mpanjaka amin'ny fanasana nomagnine. Na die ampitso koa aja dia nasainy hiaraka amin'ny mpanjaka indraika aho. 13Nefa jay abiaby jay dia tsy mendrika na ino na ino hônahy laha bola mahita an'i Mordekay jay Jiosy mipetraka am-bavahadin'ny mpanjaka eo aho."14Dia nijaka tamin'i Hamana sy n'ekamany abiaby Zaresa vadiny hoe: "Aleo areo hanao hajo fanampajana dimampolo metatra halavane. Amin'ny maraigna dia mivoriana amin'ny mpanjaka ba hanampajan-dreo an'i Mordekay amijay eo. Ary dia mandihana am-pifalena miaraka amin'ny mpanjaka agny amin'ny fanasana." Sitrak'i Hamana jany ka nagnambôtra hajo fanampajana io ijy.
Chapter 6

1Tsy nahita tory ny mpanjaka tamin'igny aligna igne. Nandidy ny mpanompo ijy ba hitondra ny boky fagnatsarejana tantara tamin'ny fotôgna nitondrane, sady nivakina maharé tamin'ny mpanjaka jane. 2Hita tao fa nivoria momban'i Bigtana sy Taresy i Mordekay, roy tamin'ny manamboninahitry ny mpanjaka jay nandigny ny varangaragna fidirana, jay nierireritra ny hagnano ratsy ny mpanjaka Ahasoerosy. 3Dia nagnotany ny mpanjaka hoe: "Ino moa no efa ba natao ba nagnomejana voninahitra na nankatoavana an'i Mordekay tamin'ny nanôvany anijane?" Ary jay matanjaky ny mpanjaka jay nanompo anajy nijaka hoe: "Tsy nisy natao taminaje."4Hoy ny mpanjaka hoe: "Ija no ao an-kianja ao? Sendra avy tan-kanja ivelan'ny mpanajaka i Hamana ba hijaka aminajy nemin'ny fanampajanay an'i Mordekay amin'ny hajo fanampajana jay efa natsangagny hônaje. 5Nijaka taminajy ny mpanompon'ny mpanjaka hoe: "Hamana no mijoro an-kianja eo." Dia hoy ny mpanjaka hoe: "Abilay ijy hiditra." 6Laha niditra Hamana dia hoy ny mpanjaka taminajy hoe: "Ino no tokony hatao amin'ny lelahy jay tien'ny mpanjaka homem-boninahitra?" Dia hoy Hamana nijaka agneritreritra hoe: "Ija moa no hamen'ny mpanjaka voninahitra ankôtran'ahe?"7Hoy Hamana tamin'ny mpânjaka hoe: "Hôn'ny lelahy jay tien'ny mpanajaka omrm-boninahitra, 8aleo handao n'ekanjo lava fiendrianana, ankajo jay efa fanôvan'ny mpanjaka, sy sôvaly jay efa nidiban'ny mpanjaka, sady amin'ny lohany eo ny satro-boninahitre. 9Aleo n'ekanjo sy sôvaly hame ny raika amin'ny manamboninahitra mendri-kaja indrindra. Aleo areo hampekanjo ny lelahy tien'ny mpanjaka homem-boninahitra, sady aleo areo hitarika anajy hitety ny lalan'ny tanàna amin'ny sôvaly. Ka aleo areo hagnambara hoe: 'Jao no natao tamin'ny tien'ny mpanjaka homem-boninahitre!'"10Ary hoy ny mpanjaka tamin'i Hamana hoe: ''Malakia, alay nekanjo sy sôvaly, araka jay efa nilajainao, sady atôvy hôn'i Mordekay ny Jiosy jay mitoboka am-bavahadin'ny mpanjaka jane. Aja misy atao latsaka jay rehetra nilajainao." 11 Ary Hamana nangala n'ekanjo sy ny sôvaly. Dia nampekanjoiny i Mordekay sady nandany nitety ny lalan'gny tanàna abiaby tamin'ny sôvaly ijy. Nagnambara talohany teo ijy hoe: "Jao no natao tamin'ny lelahy jay tien'ny mpanjaka homem-boninahitra!"12Nipody tambavahadin'ny mpanjaka teo i Mordekay, fa Hamana koja nampandeha malaky ny sôvaliny hôn'ny tragnone, nalahelo, nisaron-doha. 13Nitantarain'i Hamana tamin'i Zaresy vadiny sy nekamany abiaby ny raha abiaby nihantra taminaje. Ary ny olon-kendry abiaby sy Zaresy vadiny nijaka taminajy hoe: "Laha Mordekay, jay nentomboka nandavo anao tamasone, no Jiosy, dia tsy nahatratar anajy mihintsy anao, fa dia ho lavo alohany eo tokôtra anao." 14Laha bola nivoria taminajy areo, dia avy ny manamboninahiotry nympanjaka. Dia nitondra malaky an'i Hamana tagny amin'ny fanasana jay efa nomagnin'i Estera areo.
Chapter 7

1Ka dia nandeha nagnano firavoravôna niaraka tamin'i Estera Mpanajak ny mpanjaka sy Hamana. 2Tamin'io andro io, laha igny areo nandroso divay igne, dia hoy ny mpanjaka tamin'i Estera hoe: "Ino no fagnirienao, a Estera mpanjaka? Hitanterahina aminao jane. Ino no fangatahanao? Hatamin'ny asasaky ny fanjakana, dia hitanterahina jane."3Dia namaly Estera Mpanjaka hoe: "Laha nahita fitiavana tamasonao aho, a mpanjaka, ary laha ankasitrahanao, dia aleo hame anahy ny ainko__ jany no fagnirieko, ka mangataka anijany hôn'ny vahôkako hiany koa aho. 4Fa namidy ahay, aho sy ny vahôkako, ba hipotehina, hivonina, ary hiringanina. Laha namidy hômin'ny fagnandevojana fotsiny mako ahay, ba hôndevo lahy sy vave, dia nangigna aho, satria tsy nisy fahorena hôtranijao afaka hagnamarina ny fagnelingelegnana ny mpanjaka." 5Dia hoy i Ahasoerosy Mpanajaka tamin'i Estera mpanjakavavy hoe: "Ija jane? Aja no hahitana ny olo nanesisesika ny fony hagnano raha hôtranijane?"6Hoy Estera hoe: "ny lelahy rafe, jany fahavalo jane, dia i Hamana ratsy igne!" Dia nihorohoro tagnatrehan'ny mpanajaka lahy sy vavy i Hamana. 7Nitsangagna tamin-kavignirana hatamin'ny finoman-divay tamin'ny fanasana tao ny mpanjaka ka nandeha tamin'ny jaridaignan'ny lapa, nefa nivela ba hitalaho ny amin'ny aigny tamin'i Estera Mpanajaka i Hamana. Tsinjovy fefa nisy loja tapaky ny mpanjaka hônaje.8Dia nipody hatan-jaridaignan'ny lapa ny mpanjaka ka niditra tamin'ny efitre jay namitrahana ny divay. Teo die lavo tamin'ny seja lava nisy an'i Estera i Hamana. Hoy ny mpanjaka hoe: "Hamely ny mpanjaka vavy alohako amin'ny tragnoko ato mihintsy ve ijy?" Vantany vô nivôka hatam-bavan'ny mpanjaka io jaka io, dia nirakofan'ny mpanompo ny tarehin'ny Hamana.9Aviteo dia nijaka Harbona, raika tamin'ny tandapa nanompo mpanjaka hoe: ''Misy hajo fanampajana dimampolo metatra miforogna marivo tragnon'i Hamana. Niforogniny hôn'i Mordekay io, jay raika nijaka maharé ba hiaro ny mpanjaka." Dia hoy ny mpanjaka hoe: "Asampajy amijao eo ijy." 10Die nasampin-dreo tamin'ny hajo fanampajana teo jay nomagniny hôn'i Mordekay i Hamana. Aviteo die afaka ny havigniran'ny mpanjaka.
Chapter 8

1Tamijany andro jany dia namen'i Ahasoerosy Mpanajaka an'i Estera Mpanjaka vavy ny fanagnan'i Hamana, ny fahavalon'ny Jiosy, ary Mordekay nanomboka nanompo tagnatrehan'ny mpanjaka teo, fa nilajain'i Estera tamin'ny mpanjaka ny fomba nifandresan'i Mordekay taminaje. 2Nalain'ny mpanjaka n'empety tombon-kasene, jay nalainy indraika tamin'ny Hamana, sady natolony an'i Mordekay jane. Nanendry an'i Mordekay ho mpendrekitra ny fanagnan'i Hamana i Estera.3Dia nivoria tamin'ny mpanjaka indarika i Estera. Nenkohoka tamin'ny tany ijy ka nitomagny laha nengavy taminajy ba hagnafoagnana ny hevi-dratsin'i Hamana ny Agagita, amin'ny tetika jay niheveriny hanoherana ny Jiosy. 4Dia nanondro an'i Estera tamin'ny tehigna volamena ny mpanjaka, dia niarigna ijy sady nijoro talohan'ny mpanjaka.5Hoy ijy hoe: "Laha sitraky ny mpanjaka, ary laha nahita fitiavana tamasonao aho, laha marina alohan'ny mpanjaka eo jane, ary mahitra sitraka amasonao eo aho, dia aleo hisoratana ny didy ba hagnafoagnana ny taratasy nisoratan'i Hamana janak'i Hamedata Agagita, ny taratasy jay nisoratana ba hamono ny Jiosy jay agny amin'ny faritanin'ny mpanjaka abiaby. 6Hatako aôna no hijery jay loja hentraika amin'ny vahôkako? Hatako aôna ny haharitra hijery ny fandringagnana ny vahôkako?"7Nijaka tamin'i Estera mpanjaka sy tamin'i Mordekay ny Jiosy i Ahasoerosy mpanjaka hoe: "Ito, efa nameko an'i Estera ny tragnon'i Hamana, ary nasampin-dreo tamin'ny hajo fanampajana ijy, satria nandeha nanafika ny Jiosy. 8Manoratà didy hafa amin'egnaran'ny mpanjaka hôn'ny jiosy ka tombohy amin'ny ampetin'ny mpanjaka jane. Fa ny didy jay efa vôsoratra tamin'ny agnaran'ny mpanjaka sady vôtomboka tamin'ny ampetin'ny mpanjaka dia tsy afaka foagnana."9Dia vôhaika ny mpanora-dalàn'ny mpanjaka tamijany fotôgna jane, tamin'ny volagna fahatelo, jay volan'gny sivàgna, tamin'ny andro fahatelo amby rôpolon'ny volagna. Ny didy vôsoratra dia mahakasika anijay rehetra nandidien'i Mordekay mahakasika ny Jiosy. Jany dia nisoratana hôn'ny governoram-paritra, ny governora sy manam-boninahitry ny faritra jay hat-India ka hat-Etiopia, faritany 127, hôn'ny isam-paritany nisoratana araka jay fijaka aby, sy hôn'ny Jiosy amin'ny soratra sy fijakan-dreo.10Nanoratra tamin'ny agnaran'i Ahasoerosy Mpanjaka i Mordekay sady nanomboka jay tamin'ny ampety fitombon-kasen'ny mpanjaka. Ny taratasy dia nalefany tamin'ny alalan'ny iraka mideba sôvaly malaky jay nampesaina hômin'ny fanompôna ny mpanjaka, nalaina tamin'ny tragnon-sôvalin'ny mpanjaka. 11Nagnome fahefana ba hiara-hivory sady hiady ba herovana ny ain-dreo: ba handringagnana, ba hamonôna, sady ba hamotehana jay herim-pediena hatamin'ny vahôka na faritany jay mety hanafika an-dreo, agnatin'ijany ny jaja sy viavy, na handrobana ny fanagnan-dreo. 12Tokony nentraika tamin'ny faritanin'i Ahasoerosy Mpanjaka abiaby jane, amin'ny andro fahatelo ambin'ny folo amin'ny volagna faha-roa ambin'ny folo, jay volan'gni Adara.13Ny dika mitovy tamin'ny didy dia tokony navôka ho lalàna sy natoro am-pahabemaso hôn'ny vahôka abiaby. Jay Jiosy dia tokony ho vognona hamaly faty ny fahavalon-dreo. 14Die nideba ny sôvalin'ny mpanjaka jay nampesaina hômin'ny fanompôna ny mpanjaka jay irake. Nandeha tsy nisy hatak'andro areo. Navôka hatamin'ny lapa ta-Sosana hiany koa ny didin'ny mpanjaka.15Ary Mordekay niala tamason'ny mpanjaka nagnano akanjo fiendriagnana manga sy fotsy, sy satro-boninahitra volamena angeja be s'ekanjo lava rongony fotsy madinika volom-parasy, ka dia nihieka sady nifaly ny tanànan'i Sosana. 16Nisy hajavana sy haravôna, ary hafalena sy voninahitra tamin'ny Jiosy teo. 17Tami'ny faritany isanisany sy tamin'ny tanàna isanisany tagne. na taja na taja nieven'ny didin'ny mpanjaka, dia nisy hafalena sy haravôna tamin'ny Jiosy, fagnasàna sy andro fifalena. Rahabe tamin'ny karajan'gnolo tamin'ny tany no nanjary Jiosy, satria avy tamin-dreo ny tahotran'ny Jiosy.
Chapter 9

1Ary tamin'ny faha-roa ambin'ny folon'ny volagna, jay volan'gni Adara, tamin'ny andro faha-telo ambin'ny folo, laha saky hagnatanteraka ny làlana sy didin'ny mpanjaka, tamin'ny andro jay nantenain'ny fahavalon'ny Jiosy hajahôny fahefana amin-dreo, die nitsimbadika jane. Ny Jiosy no nanam-pahefana tamijay nankahala an-dreo. 2Die nivory tan-tanànan'ny Jiosy nagneragna ny faritany rehetran'i Ahasoerosy mpanjaka tao, ba hamely hônijay nieritreritra hampidi-doja an-dreo. Ka tsy nisy afaka njoro hanohitra an-dreo, sattria efa nilatsaka tamin'ny vahôka abiaby ny tahotra an-dreo.3Jay mpanapaka ny faritany abiaby, jay governoram-paritane, jay governora, say jay mpanao raharaham-panjakana, dia nitahy ny Jiosy satria efa nilatsaka tamin-dreo teo ny tahotra an'i Mordekay. 4Fa angeja be i Mordekay tan-dragnon'i mpanjaka, sady niely nagneragna ny faritany abiaby ny lajane, fefa lasa angeja be i lelahy atao hoe Mordekay. 5Die namely ny fahavalony tamin'ny mesa ny Jiosy, namono sady nandringagna an-dreo, ary nagnano arak'ijay sitra-dreo tamijay nankahala anaje.6Nahafaty sy naharingagna olo dimanjato areo tamin'ny ferovana mafin'i Sosana tao. 7Nivonin-dreo i Parsandata, Dalfona, Aspata, 8Porata, Adalia, 9Parmasta, Arisay, Ariday, Vaizata 10ary janaka lahy folon'i Hamana janak'i Hamedota, jay fahavalon'ny Jiosy. Nefa tsy nandroba fanagna areo.11Andronijay hiany dia nitaterina tagny amin'ny mpanjaka, ny isan'ijay maty 12tamin'ny ferovana mafin'i Sosana tagne. Die hoy ny mpanjaka tamin'i Estera mpanjaka vavy hoe: "Nahafaty olo dimanjato tamin'ny ferovana mafin'i Sosana tao ny Jiosy, agnisan'ijay ny janaka lahin'i Hamana folo. Dia ino jany no natan-dreo tamin'ny faritanin'ny mpanjaka sisa? Ka amijao ino no ikainao? Hame anao jane. Ino no fangatahanao? Hame anao jane."13Dia hoy Estera hoe: "Laha sitraky ny mpanjaka, dieleo ny Jiosy je a Sosana hahajo alalagna hagnatanteraka itoy didy niany toy koa ampitso, ary ôka ny fatin'ny janak'i Hamana folo lahy hasampy amin'ny hajo fanampajana." 14Die nandidy ba hagnatanterahana anijany ny mpanjaka. Ny didy dia nivôka hata-Sosana, sady nahanton-dreo ny janak'i Hamana folo lahy.15Die nivondrogna ny Jiosy abiaby ta-Sosana tamin'ny andro fahefatra ambin'ny folon'ny volan-gni Adara, ka nahafaty olo telonjato fagnampiny ta-Sosana, nefa tsy nandroba fanagnana. 16Je Jiosy sisa jay tagny amin'ny faritanin'ny mpanjaka koja dia niaraka ba hiaro ny ain-dreo, ka afaka tamin'ny fahavalony areo sady nahafaty dimy arivo sy fito aligna tamin'ijay nankahala anaje. Nefa tsy ba nikiasi-tagnana ny harenijay nivoniny koja areo.17Tamin'ny fahatelo ambin'ny folo volagna Adara no nitranganijane. Tamin'ny andro fahefatra ambin'ny folo koja diia niegnina areo ka nagnano anijay hanjar andro fanasana sy firavoravôna. 18Nefa ny Jiosy jay tagny Sosagna niaraka nivory tamin'ny an,dro faha telo aùbin,'ny folo sy fahefatra ambin'ny folo. Tamin'ny andro fahadimy ambin'ny folo koja dia niegnina areo ka natany andro fanasana sy firavoravôna jane. 19Jany no mahatonga ny Jiosy amin'ny jana-bohitra, jay nambôtra ny tragnon-dreo tambanivohitre, mitandrigna ny andro fahefatra ambin'ny folo ny volagna Adara hanjary andro hifanoloran-dreo fagnomejana ara-kanina.20Die niraketin'i Mordekay an-soratra jay rehetra jay ka nandefa taratasy hôn'ny Jiosy abiaby jay tamin'ny faritany rehetran'i Ahasoerosy mpanjaka tagny ijy, na lavitra na marivo, 21handidiena anajy jay hitandrigna ny andro fahefatra ambin'ny folo sy faha dimy ambin'ny folon'ny volagna Adara isan-taogna. 22Io no andro nahafahan'ny Jiosy tamin'ny fahavalone, sy volagna jay nivadien'ny alahelon-dreo ho fifaliena, sady fisôgnana hanjary andro firavoravôna. Natan-dreo andro fanasana sy firavoravôna jane, sady fifagnomejan-kanina, sy fagnomejana hôn'ny mahantra.23Die nitohijan'ny Jiosy ny fankalajana jay efa natombokan-dreo, anôvana arak'ijay nisoratan'i Mordekay. 24Tamijany fotôgna jany i Hamana janaka lahin'i Hamedoda ny Agagita, ny fahavalon'ny Jiosy abiaby, dia nambôtra teti-dratsy hanohitra ny Jiosy ba handringagna an-dreo, dia nanipy ny Pora ijy (na hoe, nagnano filokana ijy); ba handravana sy handringagnana an-dreo. 25Nefa laha avy tamason'ny mpanjaka ny toe-draharaha, dia namôka didy an-taratasy ijy fa ny teti-dratsy jay nivolavolain'i Hamana hanoherana ny Jiosy dia tokony hatsingerigna hôndohany eo, sady tokony hasampy amin'ny hajo ijy miaraka amin'ny janagny lahy.26Ka nangihan-dreo hoe Porima io andro io, hatamin'ny agnarana hoe Pora. Noho jany raha abiaby vôsoratra tagnatin'ny taratasy jane, sy jay rehetra hitan-dreo sy jay nanjò an-dreo, 27 die neken'ny Jiosy ny fomba amam-panao vôvao raika s'endrekitre. Jany fomba jany dia hôn-dreo, hôn'ny taranagne, sy jay rehetra miaraka amin-dreo. Jany die ba hankalajan-dreo anijany andro rolahiteo isan-taogna anijane. Hankalaja anijany amin'ny fomba manokagna amin'ny fotôgna mitovy isan-taogna areo. 28Io andro io dia hankalajaina sy hitandremana isaky ny taranaka mifandimby, isam-penakavena, isam-paritre, ary isan-tanàna. Io Jiosy io sy taranagny dia tsy hiegnina ny hitandrigna am-pahatokisana an'io andron'ny Porima io, ba tsy hagnadinôn-dreo anijany mihintsy.29Estera mpanjaka vavy janaka vavin'i Abihaila sy Mordekay jay Jiosy di nanoratra tamim-pahefana feno ka nagnamafy anitoy taratasy faharoa momban'i Porima toy.30Taratasy no nalefa tamin'ny Jiosy abiaby tamin'ny faritanin'ny fanjakan'i Ahasoerosy 127 tagne, nirariena fandrem-pahalemana sy fahamarinana ny Jiosy. 31Io taratasy io dia nagnamafy ny andron'i Porima amin'ny fotôgna jay nanendrena anijane, arak'ijay nandidien'i Mordekay ny Jiosy sy i Estera mpanjaka vavy an'ny Jiosy. Dia neken'ny Jiosy hôn'ny tegnany jany adidy jany sy hôn'ny tarana-dreo, hôtranijay efa nagneken-dreo ny fotôgnan'ny fifadien-kanina sy fitomagniena koa. 32Nagnamafy ny fitsipika momban'i Porima ny didin'i Estera, sady vôsoratra tagnatin'ny boky tao jane.
Chapter 10

1Aviteo Ahasoerosy mpanjaka nampandoa hetra tamin'ny tany sy tamin'ny moron-tsiraky ny ranomasina.2 Je raha vitany abiaby tratrin'ny hery sy fahefany, niaraka tamin'ny fitantarana ny halehibiajan'i Mordekay jay nananganan'ny mpanjaka anaje, dia vôsoratra amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'i Media sy Persia ao jane.3Mordekay jay Jiosy no mpanjaka faharoa tafaran'i Ahasoerosy mpanjaka. Lehibe tamin'ny Jiosy ijy sady nalaja tamin'ny rahalahin'ny Jiosy rahabe, satria nandremby ny hitahena ny vahôkany ijy sady nanognona fedanana tamin'ny vahôkany abiaby.

Job

Chapter 1

1isy lelahy raike tao amin'ny tanin'i Oza ijay Joba no agnarany; ary i Joba die tsy nisy tsigny sady mahitsy, ijay natahotre an'Andriamanitra ary nifady ny ratsy.2 Ijy die nanan-janake lahy fito sy vavy telo. 3Ijy die nanagna ondry fito arivo, rameva telo arivo, aomby lahy sy vavy dimanjato sy boriky dimanjato ary mpanompo rahabe. Ijy no lelahy lehibe indrindra tamin'ireo Tatsignanana abiaby.4Isaky ny andro vôtendry ho an'ny janagny lahy, die nagnano firavoravoana tao an-dragnony ijy. Areo die nagniraka ka nangaike ireo anakaviny telo mba hiaraka hihinagna sy hisotro amin-dreo. 5laha efa nifaragna ny firavoravoana, die nampangaike ary nagnamasina an-dreo i Joba. Nifoha maraigna be ijy ary nagnano fanatitra orôna ho an'ireo janagne kiraidraike aby, fa hoy ijy hoe: ''Mety efa nanota na nagnojogna an'Andriamanitra tagny am-pony ireo janako''Nagno an'ijany fehijay i Joba.6Ary tamin'ijany andro ijany die tonga nibôke teo ankatrehan'i Yaveh ireo janak'Andriamanitra. Die tonga niaraka tamin-dreo koa i Satana. 7Hoy Yaveh tamin'i satana hoe: ''Avy aja no niavianao?''Ary Satana namaly an'Yaveh ka nagnano hoe: ''Avy nirenireny teto an-tany, nivezivezy teo amin'ajy: 8''Hoy i Yaveh tamin'i Satana hoe: ''Efa nandinika an'i Joba mpanompoko ve anao? Satria tsy misy hôtran'ajy eto ambonin'ny tany, lelahy tsy misy tsiny sady mahitsy, ijay matahotra an'Andriamanitra ary mifady ny ratsy.''9Avy eo Satana namaly an'i Yaveh ka nijaka hoe: ''Matahotra an'Andriamanitra amin'ny tsy misy antony ve i Joba? 10Tsy nasianao fefy magnodidigna an'ajy, magnodidigna ny tragnony, ary magnodidigna ijay an'ajy abiaby? efa notahianao ireo asan'ny tagnany, ary nitombo ireo biby fiompiny eto an-tany. 11Fa ankehitriny amparo ny tagnanao ary kasiho ijay abiaby anagnany, ary jahao raha tsy magnojogna Anao eo amin'ny tarehinao ijy. 12Hoy i Yaveh tamin'i Satana hoe: ''Io, eo am-pelatagnanao ijay abiaby anagnany. Fa ijy tegnany mandy aja agnamparanao ny tagnanao. Die niala teo ankatrehan'i Yaveh i Satana.13Ary indraike andro, nihinagna sy ninogna divay tagny an-dragnon'ny talagn'olony ireo janagny lahy sy vavy.14 Nisy mpitondra hafatra raike nagnatogna an'i Joba ary nijaka hoe: ''Niasa tany ireo aomby ary ireo ampondra die nihinagna teo agnilan'ireo. 15Nanafika an-dreo ireo Sabeana ary nanambotre an-dreo. Laha ny amin'ireo mpanompo, die novelejin-dreo tamin'ny lelan-tsabatre. Iaho rerike no tafatsôke mba hampandregne anao.''16Laha mbola nijaka igny ijy, die nisy raike hafa koa tonga ary nijaka hoe: Nilatsake avy tagny an-danitra ny afon'Andriamanitra ary nagnoro ireo ondry sy ireo mpanompo. Iaho rerike no tafatsôke mba hampaharegne anao. 17'' Laha mbola nijaka igny ijy, die nisy raike hafa ka tonga ary nijaka hoe: ''Nijara vondrogna telo ireo kaldeana ka nanafika ireo rameva, ary nanambotre an-dreo. Laha ny amin'ireo mpanompo, die novelejin-dreo tamin'ny lelan-tsabatre. Iaho rerike no tafatsôke mba hampaharegne anao.''18Laha mbola nijaka igny ijy, die nisy raike hafa tonga ary nijaka hoe: ''Ireo janakao lahy sy vavy die nihinagna sy nisotro divay tao an-dragon'ny lahimatoan-dreo. 19Nisy rivotre mahery tonga avy tagny agn'efitre nikapoke ny jorony efatr'ilay tragno. nilatsake tamin'ireo jatovo ijany, ary die maty areo. Iaho rerike no tafatsôke mba hampaharegne anao.''20Die nitsangagna i Joba, nandrovitre ny sikignany, nagnaratre ny lohany, niankohoke teo amin'ny tany, ary nidera an'Andriamanitra. 21Hoy ijy hoe: ''Nitanjaka aho laha nivôke tao an-trokan'ny endriko, ary hitanjaka iaho laha efa hipody ao. Yaveh no nagnome, ary Yaveh no nangala. Isaorana anie ny agnaran'i Yaveh.'' 22Tamin'ireo raha niboke abiaby ireo, die tsy nanota i Joba, na niampanga an'Andriamanitra ho nagnano ny tsy mety.
Chapter 2

1Ary tamin'ijany andro ijany, tonga nibôke teo ankatrehan'i Yaveh ireo janak'Andriamanitra. Tonga niaraka tamin-dreo teo ankatrehan 'Yaveh mandy koa i Satana. 2Hoy Yaveh tamin'i Satana hoe: ''Tonga avy aja anao? " Die namaly an'i Yaveh i satana ka nagnano hoe: ''Avy nirenireny tegne an-tany, nivejivejy tegne.''3Hoy i Yaveh tamin'i Satana hoe: ''Moa ve nandinike an'i Joba mpanompoko Anao? Satria tsy misy na raike aja eto an-tany ka mitovy amin'ajy, lelahy tsy misy tsiny sady marina, matahotre an'Andriamanitra ary mifady ny ratsy. Mbola mitajogna ny fahitsiany fehijay ijy, na die efa namily lalagna an'ahy hanohitre an'ajy aja anao, mba hamotika an'ajy tsy amin'ny antony.''4Satana namaly an'i Yaveh ka nagnano hoe: ''Hoditre takalon'ny hoditra; eke tokôtre; ny olo die hagnome ijay abiaby anagnany ho takalon'ny aigny. 5Fa amparo ny tagnanao ijao kasiho ny tôlagny sy ny nofony, die jereo laha tsy hagnojogna anao eo amin'ny tarehinao ijy. '' 6Hoy Yaveh tamin'i Satana hoe: '' Io, eo am-pelatagnanao ijy; ny aigny no ôke harovanao.''7Die lasa Satana niala teo amin'ny fankatrehan'i Yaveh. Namely bay ratsy an'i Joba hatregny am-paladia ka lahategne an-tampon-doha ijy. 8Nagnala vakim-bilagny vita tamin'ny tanimanga i Joba hihôkôrany ny vatagny, ary nipetraka teo agnivon'ny lakevogna ijy.9e hoy ny vadiny tamin'ajy hoe: ''Mbola mitajogna ny fahitsinao mandy ve anao? Ojogny Andriamanitra ary matesa. 10''Fa hoy ijy tamin'ajy hoe: ''Mivoria hôtrin'ny vorian'ny viavy môla anao. Ny tsara mandy ve no tokony ho resintsena avy amin'Andriamanitra ka tsy ho resina ny ratsy? ''Noho ijany abiaby ijany, die tsy nanota tamin'ny molony i Joba11Ary maha efa naharegne ny ratsy abiaby nanjo an-dreo naman'i Joba telo, die samy tonga avy agny amin'ny toerany avy areo: Elifaza ilay temanita, Bildada ilay Sohita, ary Zofara ilay Namatita. Nanokagna fotôgna areo mba hiarahana ory amin'ajy sy hampaherejana an'ajy.12Laha efa nitsinjo avy egne lavitre areo, die tsy nahafantatre an'ajy. Nanandratre ny feony areo ary nitagny; samy nandrovitra ny akanjony ary namafy vovoke tegne amin'ny rivotre sy teo amin'ny lohany mandy ny kiraidraike. 13Avy eo die nidoboke tamin'ny tany niaraka tamin'ajy areo nandritre ny fito andro sy fito aligna. Tsy nisy nivoria tamin'ajy areo, satria hitan-dreo fa tena lehibe tokôtre ny alahelony.
Chapter 3

1tafaran'ijany, nanokatra ny vavany i Joba ary nagnojogna ny andro namairana an'ajy. 2hoy ijy hoe: 3''Ho foana an,ie ny andro namairana an'ahy, ny aligna ijay nagnano hoe; ''Misy jajalelahy vô torontoronina.'4Ho mejigna anie ijany andro ijany; tsy ho tsaroan'Andriamanitra avy agny ambony anie ijany, na hamirapiratre amin'ijany ny masoandro. 5Ny enjigna sy ny aloky ny fahafatesana anie hijaka an'ijany ho an-dreo manokagna. Honigna eo amin'ijany anie ny rahogna; ny raha abiaby ijay mahatonga ny andro ho menty anie hampihorohoro an'ijany tokôtre.6Ny amin'ijany aligna ijany, hanambotre an'ijany anie ny enjim-pito. Tsy hifaly amin'ny andron'ny taogna anie ijany; tsy ho tonga amin'ny isan'ny volagna anie ijany. 7Io, ho momba anie ijany aligna ijany; tsy hisy feom-pifaliana anie ho tonga amin'ijany8Hagnojogna an'ijany andro anie areo, areo ijay mahalala ny fomba hamohajana ny Leviatana. 9Ho menjigna anie ireo kintan'ny andro vô andro vao mangiran-dratsin'ijany. Handrembe fahajavana anie ijany andro ijany, kanefa tsy hahita ireo hodi-mason'ny vô mangiran-dratsy, 10satria tsy nagnidy ny varagaragn'ny trokan'ny endriko ijany, ary satria tsy nagnafigna ireo fahoriana tsy ho eo imasoko an'ijany.11Nagnino rô iaho no tsy maty laha efa nivôke avy tao an-troke? Nagnino iaho no tsy nandao ny fagnahiko laha namaitra an'ahy ny endriko? 12Nagnino no nitsena an'ahy ireo lohalikany? Nagnino no nandray an'ahy ireo nonony mba hahafahako mitsetsitre?13Fa hôtran'ijay iaho efa nandry am-pilamignana. natory iaho ary nitrehe14 niaraka tamin'ireo mpanjaka sy ireo mpanolo-tsain'ny tany, ijay nagnorigna ireo fasagna ho an'ny tegnan-dreo ijay efa rava ankehitriny.15Na efa nodimandry niaraka tamin'ireo andriandahy ijay nanagna volamena fehijay iaho, ijay nameno ireo tragnony tamin'ny volafotsy. 16Na mety ho nafaitre tsy tonga volagna iaho, hôtran'ireo jaja ijay mbola tsy nahita ny hajavana mihitsy.17ny no mitrehe amin'ny fahoriana ny ratsy fagnahy; agny no mitrehe ny rerake.18 Agny ireo tragnomejigna die hiarake hilamigna; tsy naharegne ny feon'ny mpampiasa areo. 19Samy agny ny olo kely sy lehibe; ny mpanompo die afaka amin'ny tompony agny.20Nagnino ny fahajavana no omena an'ajy ijay ao agnatin'ny fahoriana? Nagnino ny fiaignana no omena an'ijay mangidy fagnahy,21 ho an'ny raike mandigny fatratre ny fahafatesana ijay tsy ho avy; ho an'ny raike ijay mangady fahafatesana mihôtre ny harena mivony?22 Nagnino ny fahajavana no omena ho an'ny raike ijay feno hafaliana ary ravoravo laha efa hitany ny fasagna?23Nagnino ny fahajavana no omena ho an'ny olo raike ijay mivony ny lalagny, olo raike ijay vôfehin'Andriamanitra tao? 24Fa ny fisentoko die mibôke laha tokony hihinagna; miarake hôtran'ny rano ny fitaraignako.25Fa ny raha ijay natahorako die tonga teo amin'ahy; ijay mampatahotre an'ahy die tonga tamin'ahy. 26Tsy milamigna iaho, tsy mangigna iaho, ary tsy managna fitrihena iaho; ny fahoriana indraike no tonga
Chapter 4

1die namaly i Elifaza ilay Temanita ka nagnano hoe: " 2Laha misy olo manan-draha mivoria aminao, die tsy haharitre ve anao? 3Nefa ija no afake handrara ny tegnany tsy hijaka? Io, rahabe ireo efa nampianarinao; efa nampantanjaka ny tagnana malemy anao.4Nitajogna ijay nidaboke ireo jakanao; efa nohamafisinao ny malemy lohalike.5 Kanefa ijao tonga aminao ny fahoriana, ary ketraka anao, mikasika anao ijany, ary ory anao. 6Moa ny fahatahoranao no tokinao, ary ny fahitsian'ny lalagnao no fanantenanao?7Mba saigno re ijao: ija no efa ringagna tsy manan-tsiny? Na ovena ireo olo-marina no nopotehina? 8Arak' ijay efa hitako, ireo ijay mamboly heloke sy mamafy olagna no mijinja an'ijany.9 Amin'ny alalagn'ny fofonain'Andriamanitra no haharingagna an-dreo; amin'ny fipoahan'ny havignirany no hahalevogna an-dreo.10Ny fierogn'ny liogna, ny feon'ny liogna masiake, ireo nifin'ny liogna tanora- potike ireo. 11Ringagna ny liogna antitre nohon'ny tsy fahampian'ny remby, ireo janakin'ny liogna vavy die miparitaka egne abiaby egne.12Misy raharaha nindôsina mangingigna teto amin'ahy, ary naharegne bitsike momba ijany ny sofiko. 13Die nisy eritreritre tonga avy tamin'ny fahitana amin'ny aligna, laha efa tafalatsaka tamin'ny olo ny torimaso laligna.14Tagnaty aligna no nahatongavan'ny tahotre sy horohoro tamin'ahy, ary nangovitre ny tôlako abiaby. 15Ary nisy fagnahy nandalo teo alohan'ny tarehiko, ary nitsangagna ny volo tamin'ny vatako.16Nijanogna ilay fagnahy, kanefa tsy nety vôfaritro ny endrikany. Endrike raike no teo alohan'ny masoko; nisy fahangignana, ary naharegne feo iaho nagnano hoe: 17Afake lalo ho marina noho Andriamanitra ve ny olo mety maty? Afake ny ho madio noho ny Mpamorogna an'ajy ve ny olo raike?18Io, laha tsy mametrake fitokisana amin'ireo mpanompony Andriamanitra laha miampanga ireo anjeliny nohon'ny fahadalana Ijy, 19Hatr'aja ny fahamarinan'ireo ijay monigna agnaty tragno vita amin'ny tanimanga, ijay ao amin'ny vovoke ny fototre nioregnany, ijay potika mialohan'ny kalalao?20Potehina eo agnelagnelan'ny maraigna sy tsondrognandro areo, ringagna mandrakijay tsy misy mahatsikaritre akory areo. 21Tsy vôongotre tamin-dreo ve ny tadin-dreo? Maty areo; maty tsy misy fahendrena areo.
Chapter 5

1angeha mahare ankehitriny; hisy olo hamaly anao ve? Ija amin'ireo masigna no hitodihanao? 2Satria ny havignirana no mamono olo môla; ny fialognana mamono ny ketrigna. 3Efa nahita olo môla nahajo faka iaho, fa tampoke teo die nojogniko ny tokantragnony.4Ny janagny die lavitry ny filamignana; vôtorotoro ao amin'ny vavahadin'ny tanàna areo. Tsy misy olo hamonjy an-dreo.5 Ny te hinagna no mihinagna ny voka-dreo alain-dreo amin'ireo avy egne amin'ny tsilo mihintsy aja ijany. NY mangetaheta misagnasagna vava amin'ny haren-dreo.6Satria ireo ady sarotre die tsy mivoke avy ao amin'ny tany; na ny fahoriana maniry avy eo amin'ny tany. 7Fa koja ny olombelogna die nafaitre ho an'ny fahoriana, hôtran'ny pitik'afo magnembogna miakatre.8Fa laha ny amin'ahy die hitodike amin'Andriamanitre iaho; Amin'ajy iaho no hametrake ny adiko- 9Ijy ijay magnano raha lehibe sy tsy takatry ny saigna, raha mahazendagna tsy hita isa. 10Magnome oragna ny tany Ijy, ary mandefa rano amin'ireo haregnana.11Magnano ijany Ijy mba hametrahana amin'ny avo ireo ijay iva; mba hanandratana ny malahelo ho amin'ny filamignana. 12Nandrava ny fikasan'ireo olo fetsy Ijy, mba tsy hahomby ny tagnan-dreo. Mamandrika ny olo hendry amin'ny asa 13an-kafetsen-dreo Ijy; ny tetiky ny olo ratsy fagnahy die miafara malaky.14Mihaogna amin'ny enjigna areo amin'ny atoandro, ary mitsapatsapa amin'ny mitatao vovognana hôtran'ny amin'ny aligna.15 Kanefa magnavotre ny olo mahantra tsy ho amin'ny sabatry ny vavan-dreo ary ireo olo ory tsy amin'ny tagnan'ny olo mahery ijy. 16Koa manam-pagnantenana ireo mahantra, ary ny tsy fahamarinana nampagnigna ny vavany mandy.17Io, vôtahy ny olo ijay hahitsin'Andriamanitra; noho ijany, aja atao tsinontsino ny famejan'ilay Tsitoha.18 Fa mandratre Ijy ary avy eo ny tagnany no magnasitragna. 19Hagnavotra anao amin'ireo fahoriana enina Ijy; eny tokôtre, amin'ireo fahoriana fito, tsy hisy ratsy hikasika anao.20Amin'ny mosary die hagnavotre anao amin'ny fahafatesana Ijy, ary amin'ny tagnan'ny sabatre amin'ny ady. 21Ho avony amin'ny lojan'ny jaka anao; ary hatahotre ny faharavana anao laha efa tonga ijany.22 Hihehy ny faharavana sy ny mosary anao, ary tsy hatahotre ireo bibidian'ny tany.23Satria hanagna fanekena amin'ireo vato ao an-karegnano anao, ary ireo bibin'ny haregnana die hihavana aminao.24 Ho fantatrao fa voaaro ny lainao, hitsidike ny valan'ondrinao anao ary tsy ho ory n'ino n'ino. 25Ho fantatrao mandy koa fa ho lehibe ny voanao, fa ho hôtran'ny ahitra egne amin'ny tany ny janakao.26Ho agny am-pasagna anao laha efa voky taogna, hôtran'ny isan'amboaram-bary ijay miakatre amin'ijany fotôgna ijany. 27Io, efa nodinihinay ijany raharaha ijany; hôtran'ijao ijany; tenoy ijany fantaro ho an'ny tegnanao
Chapter 6

1Die namaly Joba ka nijaka hoe: ''2 Eh, laha mba vôlanja manko ny fangirifiako, laha mba natao teo amin'ny mijana aby koa manko ny loja nanjo an'ahy abiaby! 3Fa ankehitriny die lalo mavesatre noho ny fasi-dranomasigna ijany. Ka ijany no mahatonga ireo jakako tsy am-piheverana.4Fa ny jana-tsipikan'ny Tsitoha die ato amin'ahy, minogna poijina ny fagnahiko; ireo fampihoroan'Andriamanitra die milahatre hanohitra an'ahy. Magneno fatratra ve ny ampondra-dia 5laha managna ahitre? Na ny aomby hitregna nohon'ny mosary laha manam-bilogna? 6Ary ijay tsy misy tsiro ve ajo hanina laha tsy misy sira? Na misy tsirony ve ny tapotsin'atody?7Manda ny hikasike an'ireo iaho; hôtrin'ny hanina maharikoriko an'ahy ireo.8 Eh, enga anie ka ho ajoko ny fangatahako; eh, enga anie ka homen'Andriamanitra an'ahy ny raha iriko mafy: 9mba ho sitrak'Andriamanitra ny hanorotoro an'ahy indraike mandeha, ka hagnampatre ny tagnany ary hangala an'ahy amin'itoy fiaignana itoy Ijy!10Ôke ho mbola fionognako ijao-na die mifaly ao amin'ny fanaintaignana ijay mihegna aja iaho: fa tsy nanda ny jakan'ilay Iray Masina iaho: 11Ino moa ny heriko, no mbola tokony hiejaka mandy iaho? ino no hiafarako, no tokony ho halavaiko ny androko?12Herim-bato ve ny heriko? Na vita amin'ny varahigna ve ny nofoko? 13Tsy marina ve fa tsy misy fagnampiana koa ao amin'ny tegnako, ary içjany fahendrena ijany efa nalaina tamin'ahy?14Ho an'ny olo ijay efa ho ketraka, ny fahatokiana no tokony habôkan'ny akamany; na die amin'ijay nahafoy fahatanorana ny tsitoha aja. 15Fa ireo rahalahiko die natoky tamin'ahy hôtran'ny lakan-drano ijay mandalo fotsiny mandy,16 ijay mejigna nohon'ny ranomandry ao amin-dreo, ary hôtran'ny oram-panala ijay magnavony ny tegnany ao amin-dreo. 17Ary laha efa levogna areo, die manjavogna; laha efa mafana, die mitsonike am-pitoerana.18Ny rodobe ijay mandeha amin'ny lalagny die nivily handrembe rano; mirenireny egne an-tany tsy mamokatre ijy iregne ka die ringagna. 19Ny rodobe avy agny Tema die nitsinjo tegne, laha nagnantegna an-dreo ny antokon'i Sheba.20 Diso fagnantenana areo nohon'ny fahatokiany fa hahita rano . Nandeha tagny areo, kanefa vôfitake.21Fa ankehitriny anareo akamako die tsinontsino amin'ahy; mahita ny raha mahatsioravigna nanjo an'ahy anareo. ka matahotre. 22Nijaka taminareo ve iaho? Na hoe: 'omeo raha iaho? 'Na hoe: 'Anolory fagnomejana avy amin'ny harenareo iaho? na hoe: 'Avoty amin'ny tagnan'ireo fahavaloko iaho? ' 23Na hoe: 'Afaho amin'ny tagnan'ireo mpampahory an'ahy iaho?24Ampianaro iaho, die ho tazoniko ny fahanginako; atôvy ijay hahatakarako hoe taja no nahadiso an'ahy. 25Endrey ny hararin'ny jaka marina! Kanefa ny fandresen-dahatrareo, ahôna ny tena hagnanaran'ireo an'ahy?26Mikasa ny hagnano tsinotsino ny jakako ve anareo, magnano ny jakan'ny olo mamoy fo ho hôtran'ny rivotre?27 Eka tokôtre, miloka ny jaja kamboty ray anareo, ary miady varotra amin'ny akamanareo hôtran'ny entam-barotre.28Koa ankehitriny, mba jahao rô iaho, fa tena tsy mba hivandy eo ankatrehan'ny tarehinareo iaho.29 Mitrihea, mitalaho aminareo iaho; ôke tsy hisy tsy fahamarinana eo aminareo; eka tokôtre mitrihea fa marina ny adiko.30 Misy faharatsiana ve eo amin'ny lelako? Tsy afake mamantatre ny raha ratsy ve ny vavako?
Chapter 7

1Moa ve ny olo tsy managna asa mafy eto an-tany? Moa ve ny androny tsy mitovy amin'ny andron'ny lelahy raike nokaramaina? 2Hôtrin'ny andevo raike magniry fatratre ny aloky ny tsondrognandro, hôtrany lelahy raike mandrembe ny karamany- 3koa die natao mba hiaritre ny volan'ny fahoriana iaho; efa nomena aligna feno fikorotagnana iaho.4Laha efa mandry iaho, die mijaka amin'ny tegnako hoe: ' Ovena iaho no hifoha ary ovena ny aligna no ho lasa?'Nivadibadike ambony ambany iaho mandra-paraignan'ny andro. 5Nitafy hankagna sy baingan-tany ny nofoko; maigna ny fere tamin'ny hoditro ary avy eo die afaka ary mipody indraike.6Malaky fandeha noho ny famahanan-tegnona ny androko; mandalo tsy misy fagnatenana ireo. 7Ry Andriamanitra, tsarovy fa ny fiaignako die fofonaigna raike mandy; tsy hahita soa koa ny masoko.8 mason'Andriamanitra, ijay mahita an'ahy, die tsy hahita an'ahy koa; ny mason'Andriamanitra die ho eo amin'ahy, kanefa tsy hisy iaho. 9Hôtran'ny rahogna levogna sy mandalo, die hôtran'ijany koa ny tsy hiakaran'ijay mijotso agny amin'ny Fiainan-tsy hita koa. 10Tsy hipody agny an-dragnony koa ijy; na ny fonegnany aja tsy hahalala an'ajy koa.11Noho ijany tsy hagnakombona ny vavako iaho; fa hijaka amin'ny fangirifirian'ny fagnahiko; hitaraigna amin'ny fangidian'ny fagnahiko iaho. 12Moa ve ranomasina iaho na biby masiaka an-dranomasina no asianao fiambenana eo amiko?13v 13 Laha mijaka iaho hoe: 'Hampionogna an'ahy ny farafarako, ary ny fandriako hampilamigna ny fitaraignako,' 14die mampatahotra an'ahy amin'ny nofy sy mampihorohoro an'ahy amin'ny alalagn'ny fahitana Anao?15 Mba hisafidianako ny fagnakendana sy ny fahafatesana hôtran'ijay miaro ireo tôlako ireto.16lako ny fiaignako; tsy magniry ny ho velogna lalandava iaho; abelao rerike iaho fa tsy misy dikany ny androko. 17Ino moa ny olo no tokony hiahianao, no tokony ho rahirahianao, 18no tokony ho dinihinao isa-maraigna sy tsapainao amin'ny fotôgna abiaby?19Mandra-pahovena ijany mialohan'ny hialanao amin'ahy mialohan'ny hamelanao an'ahy rerike ampy hateliko ny iviko? 20Na die nanota aja iaho, die ho inonao moa ijany, Anao ijay mandinike ny olo? Nagnino Anao no nikendre an'ahy, mba ho enta-mavesatre ho anao?21Nagnino Anao no tsy mamela ny hadisoako sy mangala ny heloko? Fa ankehitriny iaho die hoandry amin'ny vovoke; handrembe an'ahy fatratre Anao, fa tsy hisy iaho.''
Chapter 8

1ie namaly Bildada ilay Sohita ka nijaka hoe: 2''Mandra-pahovena no hijaka ireo raha ireo anao? Mandra-pahovena ny jaka aloaky ny molotrao no ho lasa rivotre mahery? Mamadike ny rariny ve Andriamanitra? 3Mamadika ny fahamarinana ve ny Tsitoha?4Efa nanota tamin'ajy ny janakao; fantantsena ijany, fa nomeny teo an-tagnan'ny fahotany areo. 5Hevero fa nandrembe an'Andriamanitra mafy anao ary nampibôke ny fangatahanao tamin'ilay Tsitoha.6Laha madio sy mahitsy anao, die ajo antoke fa hiambigna anao Ijy ary hagnapody anao amin'ny toeran'ny fahamarinanao. 7Ka na die kely aja no niandohanao, die ho lehibe indrindra no hiafaranao.8Agnontanio rô ireo taranaka teo aloha, ary fantaro ijay nianaran'ny rajambenao.9 (Fa antsena die vô nafaitre omaly ary tsy mahalala n'ino n'ino satria aloke ny androntsena etoy an-tany). 10Tsy hampianatre anao ve areo ka hijaka aminao? Tsy hijaka ireo jaka avy ao am-pony ve areo?11Afake mitombo ve ny zozoro laha tsy misy honahona? Afake mitombo ve ny volotara laha tsy misy rano? 12Laha mbola mentso sy tsy vôkapa areo, die malajo alohan'ny raha maniry hafa.13Hôtran'ijany koa ny lalagn'ireo abiaby ijay magnadigno an'Andriamanitra, ho levogna ny fagnantenan'ny mpaniratsira.14 Hiala ny tokony, ary ny fahatokiany die marefo hôtran'ny tragnon-kala. 15Hitehigna amin'ny tragnony ijy, fa tsy hanohagna an'ajy ijany; hitajogna an'ijany ijy; nefa tsy hahajaka an'ijany.16Eo ambanin'ny masoandro die mentso ijy, ary ny sampagny mivôke eo amin'ny zaridaignany manontolo. 17Ny fakany die vôfogno korotam-bato; mandrembe toerana tsara eo amin'ny vato areo. 18Fa laha nopotehina hiala amin'ny toerany ijany olo ijany, die handa an'ajy ijany toerana ijany ka hijaka hoe: 'Tsy mbola nahita anao mihitsy iaho.'19Io, ijany ny ''fifalian'ny'' fitondran-tegnan'ny olo hôtran'ijany; ary hisy raha maniry hafa haniry eo amin'ny nofon-tany mitovy eo amin'ny toerany. 20Io, Andriamanitra tsy hagnary lelahy raike tsy manan-tsiny; na hitantagna ny tagnan'ny mpagnano ratsy.21Mbola ho fenoiny fihihejana mandy ny vavanao, sy fihobiana ny molotrao. 22Ireo ijay mankahala anao die hitafy hegnatre; ary tsy hisy koa ny lain'ny ratsy fagnahy.''
Chapter 9

1Ary die namaly Joba ka nijaka hoe:2 ''Fantatro marina fa ijany tokôtre no ijy. Fa ahôna no ahafahan'ny olo raike ho marina amin'Andriamanitra? 3Laha te-hiady hevitre amin 'Andriamanitra ijy, tsy afaka hamaly an'Ajy indraike mandeha amin'ny arivo ijy.4Andriamanitra die hendry am-po ary matanjaka amin'ny heriny; ija no efa nagnamafy ny tegnany hanohitra an'Ajy ka nahomby? 5Ijy ijay mamindra ny tety ka tsy mampitandrigna n'ija n'ija laha efa mamadike ireo amin'ny havignirany Ijy -6 Ijy ijay magnojongojogna ny tany hiala eo amin'ny toerany ary mampihovitrovitre ny andriny.7Ijany Andriamanitra ijany mandy no mijaka ny masoandro tsy hiposake, ary tsy miposake ijany, ary ilay manarogna ireo kintagna, 8ijay Ijy tegnany no mamelatre ny lanitra ary magnosiosy ny onjan-dranomasina, 9ijay magnano ny Bera, ny Telonohorefy, Ikotokelimiadileogna, ary ireo kintagna agny Atsimo.10any Andriamanitra ijany mandy no magnano raha lehibe, raha tsy takatry ny saigna- raha mahazendagna tsy hita isa.11 Ijao, mandeha eto agnilako Ijy, nefa tsy hitako; mandalo mandy koa Ijy, nefa tsy fantatro.12 Laha mangala raha Ijy, ija no hahasakagna an'Ajy? Ija no afaka hijaka amin'ajy hoe: 'Ino itoy ataonao?13driamanitra tsy hangala ny havignirany; ireo mpagnampy an-dRahaba aja miondrike eo ambaniny. 14Koa menka fa ahôna no hahafahako mamaly an'ajy, hahafako misafidy jaka halahatra amin'ajy? 15Na die marina aja iaho, die tsy afake ny hamaly an'ajy; mitalaho famindram-po amin'ny mpitsarako mandy no ajoko atao16 die nangaike aja iaho ary namaly an'ahy Ijy, tsy nino iaho hoe niteno ny feoko Ijy. 17Satria mandrava an'ahy amin'ny tafio-drivotre ary magnamaro ny feriko amin'ny tsy misy antony Ijy. 18Tsy mamela an'ahy hiaigna akory Ijy; fa koja fenoiny raha mangidy iaho.19Laha voria tanjake, ijao! mahery Ijy! Laha voria fitsarana ija no afaka hampangaike an'Ajy? 20Na die amin'ny marina aja iaho, ny vavako mandy no hiampanga an'ahy; ary na die tsy manan-tsiny aja iaho, ireo jakako hagnaporofo an'ahy fa meloke iaho.21Tsy manan-tsiny iaho, kanefa tsy raharahiako koa ny momba ny tegnako; ataoko tsinotsinogna ny fiainako. 22Tsy magnova raha ijany, ka ijany no ijakako hoe haringany miaraka ny olo tsy misy tsiny sy ny olo ratsy fagnahy. 23Laha hamono tampoka ny areti-mandringagna, die hihehy ny amin'ny fahorian'ny olo tsy manan-tsiny Ijy. 24Nomena teo an-tagnan'ny olo ratsy fagnahy ny tany; Andriamanitra magnarona ireo tarehin'ny mpitsara ijany. Fa laha tsy Ijy no magnano ijany, die ija ary?25Ny androko die malaky fandeha noho ny mpitondra hafatre mihajakajake; ny androko die mandalo; ka tsy misy tsara hitan'ireo n'aja n'aja. 26Malaky fandeha hôtran'ny lakan-jozoro iregne, ary malaky fandeha hôtran'ny voromahery mipôke ny rembine27Laha nijaka iaho hoe hagnadigno ireo fitaraignako iaho, hangala ny endrike malahelo iaho ka ho faly, 28die hatahotre ny alaheloko abiaby iaho satria fantatro fa tsy hihevitre an'ahy ho tsy manan-tsigny Anao. 29Ho melohina iaho ka nahoana no tokony hiejaka tsy amin'ny antony.?30Laha manasa ny tegnako tamin'ny ranon'oragna-panala iaho ary nagnano ny tagnako madio tsy nisy hôtran'ijany, 31die handroboke an'ahy agny an-kady Andriamanitra, ary ny ankanjoko die ho rikoriko ny amiko32Fa tsy olo hôtran'ahy Andriamanitra, ka afake hamaly an'Ajy iaho, ka hiaraka tonga eo amin'ny fitsarana ahay. 33Tsy misy mpitsara eo agnelagnelanay mba hametrake ny tagnany aminay roe.34Tsy misy mpitsara hafa afaka mangala ny tsorakazon'Andriamanitra amin'ahy, ijay afaka mitajogna ny horohorony tsy hampatahotre an'ahy. 35Die nijaka mahare iaho ary tsy hatahotre an'Ajy. Kanefa amin'ijao raha misy ijao, die tsy afaka hagnano an'ijany iaho.
Chapter 10

1Sasatra ny miaigna iaho; haneho malalaka ny fitaraignako iaho; hivoria amin'ny fangidian'ny fanahiko iaho. 2hijaka amin'Andriamanitra iaho hoe: 'Aja magnameloke an'ahy fotsiny mandy; aboahy an'ahy ny antony hiampanganao an'ahy. 3Mety aminao ve ny mampahory an'ahy, ny magnano tsinotsino ny asan'ny tagnanao eo am-pihihejana amin'ireo tetiky ny ratsy fagnahy?4Managna maso'nofo ve anao? mahita hôtran'ny ny fahitan'ny olo ve anao? 5Moa ve ireo andronao ve hôtran'ny andron'ny olombelogna na ny taognanao hôtran'ny taognan'ny olo, 6no rombejinao ny heloko ary anjahinao ny fahotako, 7na die fantatrao aja fa tsy meloke iaho ary tsy misy olo afake hagnavotra an'ahy eo am-pelatagnanao?8y tagnanao no namolavola sy nagnambôtre an'ahy manontolo, nefa potehinao mandy iaho. 9Tsarovy, mitalaho aminao iaho, fa namolavola an'ahy hôtran'ny tanimanga anao; die ho ampodinao ho vovoke indraike ve iaho?10Moa tsy efa nandraraka an'ahy hôtran'ny frômazy ve anao? 11Nisikigninao tamin'ny daro sy nofo iaho ary nampiresinao tamin'ny tôlagna sy hozatre.12Nomenao fiaignana sy fanekena mahatoky iaho; niambigna ny fagnahiko ny fehianao. 13Nefa ireo raha ijay navoninao tao am-ponao- die fantatro fa ijao no noeritreretinao: 14laha manota iaho, die ho tsikaritrao ijany; tsy hagnafaka an'ahy amin'ny heloko anao.15ha ratsy fagnahy iaho, die ho loja ho an'ahy; na die marina aja iaho, die tsy afake hanandratre ny lohako, satria feno fahamegnarana iaho ary mijaha ny fijaliako manokagna. 16Laha miandrandra ny lohako, die hihaja hôtran'ny liogna anao; mampibôke ny tegnanao ho mahere amin'ahy indraike anao.17Mitondra vavolombelogna vaovao manohitra an'ahy anao ary mampitombo ny havigniranao amin'ahy; manafike an'ahy amin'ny tafika vaoavo anao.18Nagnino ary, no navôkanao avy tao an-troke iaho? Naleoko nanolotra ny fagnahiko ka tsy nisy maso nahita an'ahy.19 Ho hôtrin'ny tsy nisy na ovena na ovena iaho; ho nindôsina avy tao an-troke nenga agny am-pasagna iaho.20Tsy vitsy mandy ve ny androko? Koa ôke ijay ary, abelao ho rerike iaho, mba hialako sasatre kely 21melohan'ny hialako eo amin'ilay tsy hipodianako, menga agny amin'ilay tanin'enjigna sy aloky ny fahafatesana, 22ilay tany ijay menjigna hôtrin'ny misasak'aligna, ilay tanin' ny aloky ny fahafatesana, tsy misy filamignana, ijay hôtrin'ny misasak'aligna ny hajavana.
Chapter 11

1ry Zofara ilay Namatita namaly ary nijaka hoe: 2''Tsy tokony ho valina ve ny jaka rahabe hôtrn'ijany? tokony hinôna ve, itoy lelahy, be resaka itoy? 3Tokony hampagnignina ireo hafa ve ny fireharehanao? Laha manevateva ny fampianaranay anao, tsy hisy olo hampahamegnatre anao ve?4atria anao nijaka tamin'Andriamanitra hoe: 'Madio ny finoako, tsy manan-tsiny eo imasonao iaho. '5 Nefa, eh, hijaka Andriamanitra ary hanokatre ny molony hanohitre anao;6 mba hanehoany anao ireo tsiambaratelon'ny fahendrena! Fa lehibe amin'ny fahajavan-tsaigna Ijy. Fantaro ary fa kely noho ijay mendrika ny helokao no angatahin'Andriamanitra aminao7Mahatakatre an'Andriamanitra amin'ny fitadiavana an'Ajy ve Anao? Takatrao tanterake ve ny Tsitoha?8 Ijany raha ijany die avo hôtran'ny lanitra; ino no afake ataonao? Laligna noho ny Fiainan-tsy hita ijany; ka ino no fantatrao?9 Ny refin'ijany die lava noho ny tany, ary lehibe noho ny ranomasina.10ha mandalo Ijy ka mampangigna olo, laha mangaike olo ho tsaraina Ijy, die ija no afaka hanakagna an'Ajy? 11Fa Ijy mahalala ny olo diso; laha mahita heloke Ijy, tsy ho takariny ve ijany? 12Nefa ny olo adala tsy managna fahatakarana; ho ajon-dreo ijany laha efa mamaitre olo ny ampondra dia.13Nefa hevero fa efa nametrake tsara ny fonao anao ary efa nagnatsotre ny tagnanao ho amin'Andriamanitra; 14hevero hoe eo an-tagnanao ny heloke, nefa avy eo die nohalavirinao lavitre anao ijany, ary tsy namela ny tsy fahamarinana hitoetre ao an-dainao anao.15Die hanandratre ny tarehinao tsy misy famantarana hegnatre tokôtre anao; eny tokôtre, tsy hiovaova anao ary tsy hatahotre. 16Hagnadigno ny fahorianao anao; ho tsaroanao ny rano ijay nikoriana fotsiny ijany. 17Hamiratra noho ny amin'ny mitataovovognana ny fiaignanao; na die nisy enjigna aja, die ho tonga hôtran'ny maraigna ijany.18 vôaaro anao satria misy fagnantenana; eka tokôtre, hahita ferovana momba anao anao ary hanagna fitrihena am-pilamignana. 19Hoandry am-pitrihena koa anao, ary tsy misy olo hampatahotre anao; eka tokôtre, rahabe no hila sitrake aminao.20Fa ho fe ny mason'ny olo ratsy fagnahy; tsy hahita lalagna hilefana areo; ny hany fagnantegnan-dreo die ny fialan'aigna farany.''
Chapter 12

1Die namaly Joba ka nagnano hoe: 2''Tsy hisalasalana fa anareo olo; ary ho faty miarake aminareo ny fahendrena. 3Fa managna fahajavan-tsaigna hôtran'areo koa iaho; ary tsy ambaninareo iaho. Eka tokôtre, ija no tsy mahalala ny raha hôtran'ijany4aha fihihejan'ny mpiray vodirindrigna amin'ahy iaho- iaho, ijay nenga nangaike an'Andriamanitra ary ijay novaliany! iaho, lelahy marina sy tsy misy tsigny - lasa raha fihihejana iaho ankehitriny. 5Amin'ny eritreritry ny olo ijay miadagna, die misy fagnamavoana lojabe; mieritreritre ny amin'ny fomba ijay mitondra loja loholoho ho an'ireo ijay solafake ijy. 6Ambinina ny lain'ireo jiolahy, ary mahatsiaro milamigna ireo ijay mampahavignitre an'Andriamanitra; ny tagnan-dreo mandy no andriamanitran-dreo7Fa ankehitriny agnontanio ireo bibidia, die hampianatra anao areo; agnontanio ireo vorogn'ny lanitra, die hijaka aminao areo. 8Na mivoria amin'ny tany, die hampianatra anao ijany; hagnambara aminao ireo laokan-dranomasina.9Biby ino amin'ireo abiaby ireo no tsy mahalala fa ny tagnan'i Yaveh no nagnano an'ijao? 10Eo an-tagnany ny aign'ny raha managn'aigna abiaby sy ny fofonaign'ny olombelogna abiaby.11Tsy ny sofigna ve no mamantatre ny jaka hôtran'ny lagnilagny magnandrana ny tsiron'ny hanina? 12Ao amin'ny anti-dahy no misy fahendrena; ao amin'ny fahalavan'ny andro ny fajavan-tsaigna.13nagna fahendrena sy hery Andriamanitra; managna torohevitra sy fahazavan-tsaigna Ijy. 14Io, mandrava ijy, ary tsy afake hamboarina indraike ijany; laha magnagadra olo raike Ijy, die tsy hisy fanafahana. 15Io, laha mitajogna ireo rano Ijy, ho ritre ireo; ary laha mandefa an'ijany agny ivelany ijy, die manafotre ny tany areo16 amin'ajy ny hery sy fahendrena; ny vahôke ijay vôfitake sy ny mpamitake die samby eo amin'ny fahefany. 17Mangala voninahitre ny mpanolo-tsaigna amin'ny alahelo Ijy. ary mampody ireo mpitsara ho môla Ijy. 18Alainy amin'ireo mpanjaka ny rojom-pahefana; nampisikigna lamba ny valahagny areo.19Mangala ny voninahitry ny mpisorogna amin'alahelo Ijy ary mandrava ny olo mahery. 20Mangala ny lahatenin-dreo ijay nitokiany Ijy ary alainy amin'ireo loholo ny fahajavan-tsaigna.21 Mandatsaka fanamôvana amin'ny andrian-dahy Ijy ary mamaha ny fehin-kibon'ny olo-matanjaka.22Maneho raha laligna avy ao amin'ny enjigna Ijy ary mitondra ny aloke ijay misy ireo olo maty hivôke ho amin'ny fahajavana. 23Mampantanjaka ireo firenena Ijy, ary mamotika an-dreo mandy koa; magnitatre ireo firenena Ijy, ary mitarika ireo hôtran'ny tragnomejigna mandy koa Ijy.24Mangala ny fahajavan-tsaigna amin'ireo mpitariky ny olon'ny tany Ijy; mahatonga an-dreo hirenireny agny agn'efitre ijay tsy misy lalagna Ijy.25 Mitsapatsapa ao amin'ny enjigna tsy misy hajavana areo; ary mampivembegna an-dreo hôtran'ny olo mamo Ijy.
Chapter 13

1Indro ny masoko efa nahita an'ijany abiaby ijany; ny sofiko efa naharegne ka nahatakatre an'ijany. 2Ijay fantatrareo, die fantatro mandy koa; tsy ambaninareo iaho3Kanefa, aleoko miresaka amin'ilay Tsitoha; magniry ny hifandahatre amin'Andriamanitra iaho. 4Fa fotsianareo amin'ny vandy ny marina; mpitsabo tsy misy lanjany aby koa anareo. 5Eh tajony ho anareo ny fahanginanareo! fahendrenareo ijany.6Ankehitriny tenoy ny fandaharako; tenoy ny fiangavian'ny molotro. 7Hijaka amin'ny tsy fahamarinana ho an'Andriamanitra ve anareo, ary moa hijaka amim-pitaka ho an'Ajy? 8Tena haneho hatsaram-pagnahy amin'ajy ve anareo? Hiady agny am-pitsarana tokôtre ve anareo mba ho vavolombelognan'Andriamanitra?9Mety aminareo tokôtre ve laha mandrembe anareo Ijy? Afaka ny hamitake an'Ajy hôtran'ny mety ho famitahanareo olo ve anareo? 10Hagnanatra anareo tokôtre Ijy laha mampiseho fiangarana mivony anareo.11y hampatahotre anareo ve ny voninahiny? Tsy ho lavo aminareo ve ny fahatahorana an'Ajy? 12Ny jaka fahatsiarovanareo die ohabolagna vita amin'ny lakevogna; ary ny jaka fiarovanareo die fiarovana vita amin'ny tanimanga.13Tajony agny ny fahanginanareo, abelao rerike iaho, mba hahafahako mijaka, ôke ho avy amin'ahy ijay ho avy.14 Ny nifiko mandy no hanongotako ny nofoko; ary resiko ho eo an-tagnako ny aignako. 15Io, laha mamono an'ahy Ijy, die ho fôgna ny fagnantenako; fa na ijany aja, die hiaro ny lalagnako eo ankatrehany iaho.16Ijao no ho anton'ny fialan-tsiniko, mba tsy handehanako eo ankatrehany hôtran'ny olo mpaniratsira. 17Andriamanitra ô, tsara ny jaka alahatro; ôke ny fagnambarako ho tonga eo an-tsofignao.18, ankehitriny, efa nalahatro tsara ny fiarovan-tegnako; fantatro fa tsy manan-tsigny iaho.19 Ija ilay raike ijay hiady amin'ahy eo amin'ny fitsarana? Laha tonga hagnano ijany Anao, ka laha vôporofo fa diso iaho, die hangigna iaho ka hahafoy ny aignako.20Andriamanitra ô, raha roa mandy no atôvy amin'ahy, die tsy hagnavony ny tegnako amin'ny tarehinao iaho: 21Alay amin'ahy ny tagna-mampahorinao, ary aja abela hampatahotra an'ahy ny fampihorohoroanao. 22Angeho iaho, die hamaly iaho; na mamelà an'ahy hijaka aminao, die hamaly an'ahy Anao.23ry ny hadisoako sy ny fahotako? Ampahafantaro an'ahy ny heloko sy ny fahotako. 24Nagnino Anao no magnavony ny tarehinao amin'ahy ka mitondra an'ahy hôtran'ny fahavolonao? 25Hagnanjake ravin-kajo lasan-drivotre ve Anao? hagnanjake tovohindy maigna ve anao?26Fa manoratre raha mangidy hanohitre an'ahy Anao; hampandovanao an'ahy ny heloky ny fahatanorako. 27Ataonao ao agnaty gadra vy mandy koa ny hongotro; jereo akeky ny lalako abiaby; dinihinao mandy koa ny tany ijay nohitsahin'ny faladian-kongotro 28na die hôtran'ny raha lo ijay mihalevogna aja iaho, hôtran'ny sikigna lalanin'ny kalalao
Chapter 14

1Ny olo, ijay natera-biavy, die miaigna andro vitsy mandy ary feno fahoriana.2 Maniry amin'ny tany hôtran'ny voninkajo ijy ary vôkapa; milefa hôtran'ny aloke ijy ary tsy maharitre. 3Mba mijaha an'iregne ve anao? Moa indôsinao ho tsaraina miarake aminao iaho?4Ija no afake mitondra raha madio avy amin'ny raha maloto? Tsy misy. 5 Vôfaritre ny andron'ny olo. Anao no manapaka ny isan'ny volagna iaignany; anao no nanondro ny fetrany ijay tsy ajony hihorana. 6Mihodigna amin'ajy mba hitriheny, ka mba hankafijany ny androny hôtran'ny mpikarama laha afake magnano an'ijany ijy.7Mety hisy fagnatenana ny hajo; laha vôkapa ijany, die mety haniry indraike, mba tsy hanjavogna ny tahony tanora.8 Na die miha-antitre ao amin'ny tany aja ny fakany, ary maty ao amin'ny tany ny fotony, 9nefa na die mamofogna rano fotsiny aja ijany, die haniry sy hisandrahake hôtran'ny raha maniry ijany.10ty ny olo; die lasa malemy ijy; eka tokôtre, mitrehe tsy miaigna ny olo, ary aja ijy avy eo? 11Hôtran'ny fanjavognan'ny rano amin'ny farihy, sy hôtran'ny ny faharitan'ny ranobe ka maigna, 12die hôtran'ijany koa ny handrian'ny olo ary tsy mifoha koa. Mandra-paha-tsy hisian'ny lanitra koa, die tsy hifoha na hitsangagna amin'ny torimasony areo.13Iriko ny mba hagnavonianao an'ahy agny amin'ny fiainan-tsy hita lavitry ny fahoriana, ary mba hitajognanao an'ahy ao amin'ny mivony mandra-pitrehy ny havigniranao, sy hanendranao fotôgna vôtondro ho an'ahy hijanognako agny ary mba hahatsiarovanao an'ahy avy eo! 14Laha maty ny olo raike, moa mbola hiaigna indraike ijy? Laha ijany, die magniry ny handigny ny fotôm-paharerahako abiaby agny iaho mandra-pahatongan'ny fagnafahana an'ahy.15Hangaike Anao, die hamaly Anao iaho. Hanam-pagniriana amin'ny asan'ny tagnanao Anao. 16Hagnisa sy hiahy ny diako Anao; tsy hitajogna ny fahotako Anao. 17Ho vôisy tombo-kase ao agnaty kitapo ny fandikan-dalàko; ary hanarogna ny heloko Anao.18Fa ny tety aja midaraboke ary lasa tsinontsino; 19na ny vatolampy aja vôhozongojogna amin'ny toerany; lanin'ny rano ny vato; lasan'ny riakany ny vovoky ny tany. Hôtran'ijany, no hamotehanao ny fagnantenan'ny olo.20Mandresy an'ajy mandrakariva Anao, ary lasana ijy; ovainao ny tarehiny ary halefanao mba ho faty ijy. 21Laha omem-boninahitra ireo janagny lahy, die tsy fantany ijany; ary laha haetry areo, die tsy hitany ijany. 22Ny fanaintaignan'ny vatagny manokagna mandy no tsapany, ary misaogna ho an'ny tegnany mandy ijy.
Chapter 15

1Die namaly Elifaza ilay Temanita ka nagnano hoe: 2''Tokony hamaly amin'ny fahalalana tsy misy dikany ve ny olon-kendry raike ka hameno ny tegnany amin'ny rivotre avy agny antsignanana?3 Tokony handahatre amin'ny jaka tsy mahasoa ve ijy na amin'ny lahateny ijay tsy hagnasoavany akory?4Eke tokôtre, mampietry voninah'Andriamanitra anao; mangala ny fanoloran-tena ho an'Ajy anao, 5fa ny helokanao no mampianatra ny vavanao; mifidy ny hanagna ny lelan'ny olom-petsy anao. 6Ny vavanao mandy no magnameloke anao, fa tsy ny an'ahy; ny molotrao mandy no miampanga anao.7Moa ve anao no olo nafaitre vôlohany? Moa natao nisy talohan'ireo tany ambo angaha anao? 8Moa ve efa naharegne ny fahalalana mivon'Andriamanitra anao? Moa feranao ho amin'ny tegnanao mandy ny fahandrena? 9Ino no fantatrao ijay tsy fantatray ? Ino no takatrao ijay tsy aminay mandy koa?10Samby miaraka aminay ireo fotsy volo sy ireo lelahy voky taogna ijay antitre mihôtre noho iabanao. 11Moa kely lôtre ho anao ny fampionognan'Andriamanitra, die ireo jaka mamefake aminao?12gnino no mitondra anao hivily ny fonao? Nagnino anao no mipipi-maso13 hany ka mihodigna amin'Andriamanitra ny fagnahinao ka mamôke jaka hôtran'ijany avy amin'ny vavanao? Ino moa ny olo no tokony hadio? 14Ino moa ijay natera-biavy no tokony ho marina?15, Andriamanitra die tsy mametrake fitokisana na die amin'ireo masiny aja; eke tokôtre, tsy madio eo imasony ny lanitra;16 menka ny hakelin'ny fahadiovanao ijay maharikoriko sy ratsy toetre, lelahy minogna heloke hôtran'ny rano!17Habôkako anao; mitenoa an'ahy; hagnambara aminao ireo raha ijay hitako iaho, 18ireo raha ijay nampitain'olon-kendry avy tamin'ireo iabany, ireo ijay tsy mba navonin'ny rajambeny.19Ireo no rajagn'ireo, ijay hany nomena tany, ary ijay tsy mba nandalovan'ny vahiny mihintsy. 20Ny olo ratsy fagnahy die mijaly am-panaintaignana amin'ny androny abiaby, ijay isan'ny taogna napetraka hijalian'ny mpampahory. 21Misy feona horohoro eo an-tsofigny; laha hambinina ijy, die ho avy amin'ajy ny mpandringagna22Tsy mihevitre ijy fa hipody avy ao amin'ny enjigna; mandigny an'ajy ny sabatre. 23Mandeha agny amin'ny toerana isan-karajagny ijy mba handrembe mofo, magnano hoe 'Aja ijany?' Fantany fa antomotre ny andron'ny fahamenjignana.24 Mampatahotre an'ajy ny fahoriana sy ny fangirifiriana; fa mandresy an'ajy areo, hôtran'ny mpanjaka vonon-kiady.25Satria nangnampatre ny tagnany hanohitre an'Andriamanitra ijy ary nieboebo nanohitre ilay Tsitoha, 26die miha jakajake menga agny amin'Andriamanitra amin'ny fahamafisan-katoke ijany lelahy ratsy fagnahy ijany, miarake amin'ny ampinga matevigna.27Marina ijany, na die nagnavony ny tarehiny tamin'ny taviny sy namory tavy ho an'ny valahagny aja ijy, 28ary nonigna tao amin'ny tanàna lao; tagny amin'ny tragno ijay tsy misy midoboke ankehitriny ary ijay vognona ny ho natao korotam-bato29Tsy hanan-karena ijy; tsy haharitre ny hareny; na ny alokany aja die tsy haharitre eto an-tany. 30Tsy hivôke avy ao amin'ny enjigna ijy; hisy afo handevogna ny tovohindiny; ary amin'ny fofognaigna avy amin'ny vavan'Andriamanitra no halasàny.31Ôke ijy tsy hatoky raha-fôgna, ka hamitake ny tegnany; fa ny raha fôgna no ho valisoany. 32Hiboke mialohan'ny tokony hahatongavan'ny fotôgna hahafatesany ijany; ary tsy ho mentso ny sampagny.33 Hagnitsagna ny voa tsy matoiny hôtra'ny vôloboka ijy; ary hampirarake ny voniny hôtran'ny hajon'oliva.34Fa ny antokon'ny mpaniratsira die ho momba; handevogna ny lain'ny kolikoliny ny afo. 35Sompatre no torotoroniny ary heloke no afaitrany; fitake no torotonin'ny trokan-dreo.''
Chapter 16

1Ary namaly i Joba ka nijaka hoe: 2''Efa naharegne raha hôtran'ijany rahabe iaho; mpampionogna mahonegna aby koa anareo. 3Mba hisy fiafarany ve ireo jaka tsy misy fotony? Ino no olagnanao no die mamaly hôtran'ijao anao?4Afake mijaka hôtran'areo mandy koa iaho, laha anareo no teo amin'ny toerako; afaka magnangogna sy manambatre jaka iaho hindôsina hanoherana anareo ary hagnifikifike ny lohako aminareo amin'ny eso. 5Eh, te-hankahery anareo amin'ny vavako iaho! Endrey ny ho fagnamaivagnan'ny fampiononan'ny molotro ny alahelonareo!6Laha mijaka iaho, die tsy mihegna ny alaheloko; laha mangigna koja iaho, ahôna no hagnampiana an'ahy? 7Fa ankehitriny, ry Andriamanitra, die novijagninao iaho noravanao ny fianakaviako manontolo. 8Nohamaigninao iaho, ijay vavolombelogna manohitre an'ahy mandy; nitsangagna hiampanga an'ahy ny fahiajan'ny vatagnako, ary vavolombelogna manohitre ny tavako ijany.9Tao agnaty havignirana no mamotehan'Andriamanitra sy nagnanjahany an'ahy; nihidy vajagna tamin'ahy Ijy; die nanondro maso an'ahy ny fahavaloko laha mbola nandrava an'ahy Ijy. 10Nisagnasagna vava tamin'ahy ny olo; norarafan-dreo tamin'ny fagnomejan-tsiny ny fifiko; niara-nivondrogna hanohitre an"ahy areo11Atolotr'Andriamanitra eo amin'ny olo mpaniratsira iaho, ary atsipiny egne an-tagnan'ny olo ratsy fagnahy. 12Nilamigna iaho, die nopotehiny. Eka tokôtre, noresiny tamin'ny tenda iaho ary nakapony ho potipotika; nataony marika ho kendreny mandy koa iaho.13Magnodidigna an'ahy ireo mpanipy jana-tsipikany; tsindronin'Andriamanitra tsy hanagnany hantra ny voako; araragny amin'ny tany ny aferoko. 14Velejiny fehijay ny rindrignako; mihajakajake magnatogna an'ahy hôtran'ny mpiady Ijy.15Nojeriko teo an-koditro ny sikignako fisôgnako; efa nalentiko tao amin'ny tany tandroko. 16Menan'ny tagny ny tarehiko; eo amin'ny hodimasoko ny aloky ny fahafatesana 17na die tsy misy herisetra aja ny tagnako, ary madio ny fivavako.18Ry tany ô, aja rakofana ny rako; ôke tsy hanagna toerana hitrihena ny fitagniako. 19Na ankehitriny aja, io, agny an-danitra ny vavolombeloko; agny amin'ny avo ilay mpiantoka an'ahy.20Magnesoeso an'ahy ny akamako, kanefa mandrotsa-dranomaso ho an'Andriamanitra ny masoko.21 Mangataka ijany vavolombelogna tagny an-danitra ijany iaho mba hiady ho an'itoy lelahy itoy eo amin'Andriamanitra hôtran'ny olo amin'ny mpiara-belogna amin'ajy iaho!22 Fa afake taogna vitsivitsy, die ho agny amin'ny toerana raike ijay tsy hipodianako koa iaho.
Chapter 17

1Levogna ny fagnahiko, ary tapitra ny androko; efa vognona ho an'ahy ny fasagna. 2Ajo antoke fa misy mpandrabiraby eto amin'ahy; tsy mentsy hijaha ny fihantsian-dreo fehijay ny masoko. 3Magnomeja antoke ho an'ahy anao miarake amin'ny tegnanao; ija koa no eto hagnampy an'ahy?4Fa Anao, ry Andriamanitra, nitagna ny fon-dreo tsy ho amin'ny fahajavan-tsaigna; noho ijany tsy hanandratre an-dreo ho amboniko Anao. 5Ijy ijay miampanga ireo akamany tamin'ny valisoa; die ho fe ireo mason'ny janagny.6efa nataony ho ambetin-jakan'ny vahôka iaho; nororan-dreo ny tarehiko. 7Fe nohon'ny alahelo koa ny masoko; ny ratsam-batako abiaby die mahia hôtrin'ny aloke. 8Ireo olo mahitsy die ho ankogna amin'ijany; ny olo tsy manan-tsiny handrisike ny tegnany hanohitre ireo olo mpaniratsira.9Ny lelahy marina die hifikitre amin'ny lalagny; ijay managna tagnana madio hitombo hery fehijay fehijay. 10Nefa ho anareo abiaby, mevia eto ijao; tsy hahita olo hendry aminareo iaho.11Efa lasa ny androko; rava ireo fikasako, ary hôtran'ijany koa ireo fagnirian'ny foko. 12Ireo olo ireo, ireo mpaniratsira ireo, die mamadika ny aligna ho andro; akekin'ny enjigna ny majava.13tria mijaha ny Fiainan-tsy hita hôtrin'ny tragnoko iaho; satria nampiely ny fandriako tao amin'ny enjigna iaho;14 satria nijaka tamin'ny lavake iaho hoe Iabako anao' ary tamin'ny hankagna hoe: 'Endriko na anakaviko anao, 15die aja ary ijany ny fagnantenako? Laha ny fagnantenako, ija no hahita an'ijany?16 Hijotso miarake amin'ahy agny amin'ireo vavahadin'ny Fiaignan-tsy hita ve ny fagnantenana laha efa mijotso agny amin'ny vovoke antsena?
Chapter 18

1Avy eo i Blidada ilay Sohita namaly ary nijaka hoe: 2Ovena no hatrehinao ny jakanao? Diniho, ary afaran'ijany die hijaka ahay.3Nagnino ahay no heverina hôtran'ny biby; nagnino ahay no nanjary môla eo imasonao? 4Anao ijay mamiravira ny tegnanao amin'ny havigniranao, tokony hahafoy ho anao ve ny tany sa tokony ho alaina eo amin'ny toerany ireo vatolampy?5Eke tokôtre, ho vonoina ny fahajavan'ny olo ratsy fagnahy; tsy hamirapiratre ny piti-kafony. 6Ho mejigna ny fahajavana ao an-dainy; ary ny jiro eo amboniny die ho vonoina.7Hafohejina ny dingagn'ny heriny; ny fikasany mandy no handravana an'ajy. 8Fa hifatratre agnaty harato amin'ny alalagn'ny hongony mandy ijy; ary hilatsake agnaty velam-pandrike raike ijy.9sy fandrike hahajo an'ajy amin'ny kitro; ary hitajogna an'ajy ny fandrike.10 Misy fandrike raike mivony ho an'ajy eo amin'ny tany; ary fandrike raike ho an'azy eo amin'ny lalagna. 11Hampatatahotre an'ajy ny fampihorôhorôna amin'ny sisigny abiaby; hagnanjake an'ajy amin'ny kitrony areo.12Hivadika mosary ny haregnan'ajy, ary ho vognona eo agnilany ny loja. 13Ny ratsambatagny die ho vôrapaka; eka tokôtre, ny vôlohan-teraky ny fahafatesana die handrapaka ny rantsagny.14Vôviravirany tsy ho amin'ny ferovan'ny lainy ijy ary hivôke menga agny amin'ilay mpanjakan'ny horohoro. 15Ny olo ijay tsy an'ajy die honigna ao an-dainy afaran'ny hahitan-dreo fa niparitaka tao an-dragnony ny solifara.16Ho maigna avy agny ambany ny fakany; ary eo ambony no hanapahana ireo sampagny. 17Ho fôgna eto an-tany ny fahatsiarovana an'ajy; tsy hanagna agnarana egny an- dalagna ijy.18Ho indôsina avy amin'ny majava ho agny amin'ny menjigna ijy ary ho vôrôka eto amin'ijao tontolo ijao. 19Tsy hanagna janake na jafy eo amin'ny olony ijy, na hanagna sisa tavela amin'ireo fara-mandimby ijay nijanognany. 20Ireo ijay monigna agny andrefana die hiorin-koditre amin'ijay hanjo an'ajy indraike andro agny; ary ireo ijay monigna agny antsignanana die ho reki-tahotra amin'ijany.21Ajo antoke fa hôtran'ijany ny tragnon'ny olo tsy marina, die ny toeran'ireo ijay tsy mahalala an'Andriamanitra.''
Chapter 19

1Die namaly Joba ka nagnano hoe ''2 Hafiriana no hampijalianareo an'ahy sy hamotipotehanareo an'ahy amin'ny jaka.3Tamin'ijay nandatsanareo an'ahy impolo ijay; tsy mba megnatra nampahory an'ahy anareo. 4Laha tegna marina tokôtre fa efa nivily iaho,die hijanogna ho an'ahy rerike ny fahadisoako.5Laha nanadratre ny tegnanareo ho amboniko tokôtre anareo ary hampiasa ny fahafaham-barakako hanohitre an'ahy, 6die tokony ho fantatrareo fa Andriamanitra efa nagnano ny tsy nety tamin'ahy ary nahatratre an'ahy tamin'ny haratony.7Io, mitaraigna iaho hoe: ''Herisetra!'' Nefa tsy mahajo valiny iaho. Nangaike vonjy mafy iaho, kanefa tsy nahajo rariny.8 Nasiany rindrigna ny lalagnako mba tsy hahafahako mandeha, ary nametraka ny enjigna. 9Nalainy tamin'ahy ny voninahitro, ary efa nangala ny satro-boninahitro tamin'ny lohako ijy.10Efa namotike an'ahy tamin'ny jorony abiaby Ijy, die lasa iaho, nongotany hôtran'ny hajo ny fagnantenako.11 Nampirehetine tamin'ahy mandy koa ny havignirany; resiny hôtrin'ny raike amin'ireo fahavalony iaho. 12Miara-tonga ireo tafikany; manangagna dongo-tany hagnavony an'ahy areo ka mitoby magnodidigna ny laiko.13Nangala ireo rahalahiko lavitre an'ahy Ijy; nihafahafa tamin'ahy tanterake ireo olom-pantatro. 14Nahafoy an'ahy ireo havako; efa nagnadigno an'ahy ireo akamako akeky.15Ireo ijay nijanogna mba ho vahiny tao an-dragnoko fehijay sy ireo mpanompo vaviko die mandray an'ahy ho hôtran'ny tsy olom-pantatra; vahiny iaho eo imason-dreo. 16Mangaike ny mpanompoko iaho, nefa tsy namaly an'ahy ijy na die miangavy an'ajy amin'ny vavako aja iaho.17Manafintohigna ny vadiko ny fofognaiko; maharikoriko ireo ijay nateraky ny kibon'ny endriko mihintsy aja iaho. 18Na ireo jaja aja magnano tsinontsinogna an'ahy; laha mitsangagna hijaka iaho, die mijaka manohitra an'ahy areo. 19Ireo akamako nahajatre abiaby die mankahala an'ahy; nivadike tamin'ahy ireo ijay tiako.20rekitre amin'ny hoditro sy ny nofoko ny tôlako; ny hany ivelomako die amin'ny hoditry ny nifiko. 21Manàgna famindram-po, manàgna famindram-po, ry akamako, satria ny tagnan'Andriamanitra die efa nikasike an'ahy. 22Nagnino anareo no magnanjake an'ahy hôtran'ny hoe anareo no Andriamanitra? Nagnino no tsy afa-po amin'ny fandevognana ny nofoko anareo?23Eh, enga anie ka ho vôsoratre ny jakako ankehitriny! enga anie ka ho vôrakotre ao agnaty boky ireny!24 Eh, enga anie ka ho vôsokitre amin'ny penina vy sy firavake eo amin'ny vatolampy mandrakijay iregne!25fa laha ny amin'ahy, fantatro fa velogna ny Mpagnavotre an'ahy, ary agny am-parany die hitsangagna eo amin'ny tany Ijy; 26afaran'ijany ny hoditro, ijany hoe, itoy vatagna itoy, die potike, ary die ao amin'ny nofoko no hahitako an'Andriamanitra. 27Hahita an'Ajy amin'ny masoko mihintsy iaho-Iaho, fa tsy olon-kafa. Efa sasa-miandry ijany ny foko ato agnatiko ato.28Laha hoy anareo hoe: 'Ahôna no hagnenjehantsena an'ajy! Ny fototr'ireo fahoriana die ao amin'ajy,' 29ary matahora ny sabatre, satrie ny havignirana die hahatonga famejana amin'ny sabatre, mba hahafantaranareo fa misy ny fitsarana.''
Chapter 20

1Die namaly i Zofara ilay Namatita ary nijaka hoe: 2''Ireo eritreritro no mahatonga an'ahy hamaly malaky nohon'ny fitaintaignana ijay ao agnatiko,3 Maharegne jaka mafy ijay mangala barake an'ahy iaho, kanefa misy fagnahy avy amin'ny fahajavan-tsaiko mamaly an'ajy.4sy fantatrao ve ijao raha misy ijao lahatamin'ny andro taloha, laha nametrake ny olombelogna teto an-tagny Andiamanitra: 5ny fandrresen'olo ratsy fagnahy die fohy, ary ny hafalian'ny mpaniratsira die maharitre fotôgna fohike mandy?6Na die mahatakatre ny lanitra aja ny haavony, ary magnanike ny rahogna ny lohany, 7die mbola ho velogna hôtran'ny malotony ny olo hôtran'ijany; ireo ijay nahita an'ajy die hijaka hoe: Aja ijy?'8hagnembogna hôtran'ny nofy ijy ary tsy ho hita; egne tokôtre, ho anjahina hôtran'ny fahitana amin'ny aligna ijy. 9Ny maso ijay nahita an'ajy die tsy hahita an'ajy koa; ny toerany die tsy hahita an'ajy koa.10Hiala tsigny amin'ny olo mahantra ireo janagny; tsy mentsy hagnapody ny harena ajony ny tagnany. 11Ireo tôlagn'i die feno ny tanjaky ny fahatanorana, kanefa hoandry miarake amin'ajy agnaty vovoke ijany.12Na die mamy ao am-bavany aja ny faharatsiana, na die magnavony ijany ao ambanin'ny lelany aja ijy, 13na die mitajogna ijany ao sady tsy mamela an'ijany handeha fa mbola mitajogna an'ijany tsara ao am-bavany mandy aja ijy- 14die mivadike mangidy ny hanina ao agnaty tsinainy; jary poijina avy amin'ny bibilava ao agnatiny ijany.15Miteligna haregna ijy, kanefa handoa an'ijany indraike; havôkan'Andriamanitra avy ao amin'ny kibony ijany. 16Hitsetsitre ny poijign'ny bibilava ijy; hamono an'ajy ny lelagn'ny menaragna.17Tsy hankafy ireo ranobe, ireo riakan'ny tantely sy ero-dronono ijy. 18Hagnapody ny vokatra ijay nisasarany ijy ary tsy afaka ny hihinagna an'ijany; tsy afaka hankafy ny harena ajony tamin'ny varony ijy. 19Satria ijy nampahory sy nagnano tsinotsino ny olo mahantre; nangala an-keriny ireo tragno ijay tsy naorigny ijy.20satria ijy tsy nahalala fahafaham-po tamin'ny tegnany, die tsy afake ny hahavonjy ny raha abiaby ijay nangalany fahafinaretana ijy. 21Tsy misy ijay tabela ka tsy nolevogniny; noho ijany die manam-petre mandy ny fahombiajany.22 Hilatsaka agnaty fahoriana amin'ny fahabetsahanan'ny hareny ijy; ny tagnan'ny kiraidraike ijay ao agnaty fahantrana die avy hanohitre an'ajy.23ha hameno ny kibony ijy, die hatilin'Andriamanitra amin'ajy ny firehetan'ny havignirany; handrotsake an'ijany eo amin'ajy Andriamanitra laha efa eo am-pihinanana ijy. 24Na die hitsôke ny fitôvam-piadiana vy aja ijany lelahy ijany, die hahavoa an'ajy ny tsipika varahigna. 25Hanindrogna avy ao an-damosigny ny lefogna ary ho tafavôke ary hivôke avy ao amin'ny atiny tokôtre ny tendrony manjelanjelatre; ho tonga eo amin'ajy ny horohoro.26Enjin-kitroke tanterake no mandigny ny hareny; ary afo tsy nitsofina no hagnoro an'ajy; handevogna ijay sisa tabela ao agnatin'ny lainy ijany.27 Hagnamabara ny helony ny lanitra, ary hijoro vavolombelogna hanohitre an'ajy ny tany.Handalo ny harena ao an-dragnony; hikoriagna hiala amin'ajy amin'ny andron'ny fahavigniran'Andriamanitra ireo fanagnany. Ijany no anjaran'ny olo ratsy fagnahy avy amin'Andriamanitra, ny lova vôtokagna ho an'ajy avy amin'Andriamanitra.''
Chapter 21

1Ary namaly Joba ka nijaka hoe:2 ''Tenoy tsara ireo jakako, ary abelao ho fankaherejana omenareo an'ahy ijany.3 Mahareta amin'ahy, fa hijaka mandy koa iaho; afaran'ny hijakako, die magnesoa fehijay.4aha ny amin'ahy, amin'ny olo raike ve ny fitaraignako? Nagnino iaho no tsy tokony tsy hanam-paharetana? 5Jahao iaho ary ôke ho talanjogna, ary apetraho eo amin'ny vavanareo ny tagnanareo.6 Laha efa misaintsaigna ireo fijaliako iaho, die mihorohoro, ary tora-kovitre ny vatagnako.7Nagnino ny olo ratsy fagnahy no mbola miaigna, tratre antitra, ary mitombo hery amin'ny fahefana? 8Miorigna miaraka amin'ajy eo imason-dreo ny taranagny, ary ireo janagny die miorigna eo imason-dreo. 9Ny tragnon-dreo die lavitrin'ny tahotre; ary tsy eo amin-dreo ny kapok'Andriamanitra.10Mampagnarake ny ombilahiny areo; ary die mahavagnona; ny aomby vavin-dreo die mamaitre ary tsy mamotsotre ny janagny tsy tonga volagna. 11Mamôke ireo jaja hôtran'ny ondry aman'osy areo, ary mandihy ireo janagny. 12Mihira amin'ny ampongatapaka sy lokanga areo ary mifaly miarake amin'ny feona sodigna.13Miaigna ny androny amin'ny fagnambignana areo, ary mijotso mangigna ho agny amin'ny fiainan-tsy hita. 14Hoy areo amin'Andriamanitra hoe: Mialà aminay fa tsy maniry ny hahalala ny lalagnao ahay. 15Ino moa ilay Tsitoha, no tokony hanompo an'Ajy ahay? Ino no tombotsoa ajonay laha mivavaka amin'qjy ahay?16Io, moa ve tsy eo an-tagnan-dreo mandy ny fagnambinan-dreo? Tsy misy hirarahiako ny toro-hevitry ny olo ratsy fagnahy. 17Impiry no maty ny jiron'ny olo ratsy fagnahy, na tonga eo amin'ajy ny lojan-dreo? Impiry no mijara alahelo amin-dreo amin'ny havignirany Andriamanitra? 18Impiry areo no tonga hôtran'ny tovohindy tsofin-drivotre na hôtran'ny akofa andôsin'ny tafio-drivotre?19Hoy anareo hoe: 'Andriamanitra mitahiry alahelo mba ho hefain'ireo janagny.' Abelao ny tegnany mandy no hagnefa an'ijany mba hahafantarany ny helogny. 20Abelao ny masony hahita ny faharavany, ary abelao ijy hinogna ny havigniran'ilay Tsitoha. 21Satria ino no hiraharahiany ny momba ireo taranagny mandimby an'ajy laha efa tapake ny isan'ireo volany?22Moa ve misy olo afake mampîanatre fahalalana an'Andriamanitra satria na die ireo ijay ambony aja die Ijy no mitsara?23 Ny olo raike die maty ao agnatin'ny heriny feno, mangigna tanterake ary miadagna. 24Feno ronono ny vatagny, ary ny tsokan'ny tôlagny die mando sy salama tsara25sy olo raike hafa maty ao agnatin'ny fangidian'ny fagnahy, olo ijay tsy mbola niaigna raha tsara. 26Samy mandry agnaty vovoke areo; ary mandrakotre ny vatagn'ijy roe ireo hankagna.27Ijao, fantatro ny eritreritrareo, sy ireo fomba ijay irinareo mba handisoana an'ahy. 28Fa hoy anareo hoe: 'Aja ny lay ijay nonegnan'ny ratsy fagnahy taloha?29Tsy mbola nagnotagny ny olo mpandeha lavitre mihintsy ve anareo? tsy fantatrareo ve ny porofo ajon-dreo jakaina, 30efa vôaro amin'ny andron'ny loja ireo ratsy fagnahy, ary hivily lavitry ny andron'ny havignirana Ijy?31Ija no ho hagnameloke ny fomban'ny ratsy fagnahy eo agnatrehany? Ija no hagnefa an'ajy amin'ny raha vitany? 32Nefa mbola ho lanjaina ho agny am-pasagna ijy; ireo olo die hiambigna ny fasagny. 33Ho mamy amin'ajy ny baingan-dohasaha; hagnaraka an'ajy avy ao afara ny olo abiaby, hôtran'ny nandehanan'ireo olo rahabe tsy vôtanisa teo alohany.34Nagnino ary anareo no mampionogna an'ahy amin'ny raha tsy misy dikany, satria ao amin'ireo valinteninareo die tsy misy hafa tsy vandy fotsiny?
Chapter 22

1Die namaly ilay Tenamita ka nijaka hoe: ''Mety ilain'Andriamanitra ve ny olo 2 ''Mety ilany ve ny lelahy hendry? Moa ve fahafinaretana ho an'ilay Tsitoha laha marina anao? 3Moa ve Tombony ho an'Azy laha magnano ny lalagnanao ho tsy misy tsiny anao?4Moa ve ny fagnehoana fanajana an'Ajy no hamejana anao sy hitondrany anao amin'ny fitsaràna? 5Moa ve tsy lehibe ny faharatsianao? Tsy misy fiafarana ve ireo helokao?6Fa efa nangataka antoke tamin'ny findramam-bolan'ny rahalahinao tamin'ny tsy misy antony anao, ary efa nagnendake sikigna tamin'ijay nitanjaka anao. 7Tsy nagnome rano hinomin'ny olo rerake anao; namihigna mofo tsy ho an'ny olo mosaregna anao, 8na die olo mahery aja anao, ijay nanagna ny tany, na die olo manam-bononahitre aja anao, ijay nonigna tao amin'ijany.9Nalefanao maigna ny mpitondra-tegna; ary ny tagnan'ireo kamboty die notapahina. 10Noho ijany, misy fandrike ny magnodidigna anao abiaby, ary ny fahatahorana tampoke no mampahory anao. 11Misy enjigna, mba hahitanao; ary ny rano be mandrakotre anao.12a ve Andriamanitra tsy agny amin'ny haavon'ny lanitra? Jahao ny haavon'ireo kintagna, endrey ny hahavon-dreo! 13Ary hoy anao hoe: 'Ino no fantatr'Andriamanitra? Mety hitsara amin'ny alalan'ny enjim-pito ve Ijy? 14Ny rahona matevigna no firakofany, mba tsy hahitany antsena; mandeha egne amin'ny andohalambon'ny lanitra Ijy.15Hitandrigna ny lalagna taloha ijay nomban'ny olo ratsy fagnahy ve anao-ireo ijay nalaina talohan'ny fotôgnany, 16ireo ijay vôfaoke hôtrin'ny ranobe ny fototran-dreo, 17ireo ijay nijaka tamin'Andriamanitra hoe: 'mialà aminay'; ireo ijay nijaka hoe: 'Ino no ajon'ny Tsitoha atao aminay?18Kanefa mbola nameno ny tragnon-dreo tamin'ny raha soa Ijy; 19Ny tetik'ireo ratsy fagnahy die lavitre an'ahy. Ny olo-marina mahita ny anjarany ka faly; ny olo tsy manan-tsiny mihehy an'ajy ireo mba handatsa an'ajy. 20Hoy areo hoe: 'Ajo antoke fa notapahina ireo ijay nitsangagna nanohitre antsena; nandevogna ny fanagnany ny afo.21Koa ankehitriny, magneke an'Andriamanitra ary mihavàna amin'ajy; amin'ijany fomba ijany, no hiavian'ny soa aminao. 22Mitalaho aminao iaho, mandresa fampianarana avy amin'ny molony; asarejo ao am-ponao ny njakany.23Laha mipody amin'ny Tsitoha anao, die hiorigna, laha mametraka ny tsy fahamarignanao lavitry ny lainao anao.24 ampandrio eo amin'ny vovoke ny harenanao, ny volamenan'i Ofira eo amin'ny vaton'ny lohasahan-driaka, 25ary ny Tsitoha no ho harenao, volafotsy sarobidy ho anao.26Fa amin'ijany die hiravoravo amin'ilay Tsitoha anao; hanandratra ny tarehinao amin'Andriamanitra anao. 27Hivavake amin'ajy anao, die hiteno anao Ijy; hagnefa ny voadinao amin'ajy anao.28 Handidy ny raha abiaby koa anao, ary die ho hamafisina ho anao ijany; hamiratre amin'ny lalagnanao ny fahajavana.29Andriamanitra die mampietry ny olo mirehareha, ary mamonjy ny olo mampijotso ny masony. 30Hagnafaka Ijy na die ny olo manan-tsigny aja; ijay ho vonjena eo amin'ny fahadiovan'ny tagnanao.''
Chapter 23

1Avy Joba namaly ka nagnano hoe: 2''Na die androany aja die mangidy ny fitaraignako; ny tagnako die mavesatre nohon'ny fitaraignako.3Indrisy, laha mba fantatro ijay mety hahitako an'Ajy! Eh, mba hahatongavako eo amin'ny toerany! 4Handahatre ny adiko eo alohany iaho ary hameno ny vavako amin'ny fandresen-dahatra. 5Hianatra ireo jaka ijay hamaliany an'ahy iaho ary hahajo ho jakainy amin'ahy.6Hiady hevitre hanohitre an'ahy amin'ny halehiben'ny fahefany ve Ijy? Tsiare, hiteno an'ahy Ijy. 7Agny no hiady hevitre Amin'ajy ny olo mahitsy. Amin'ijany fomba ijany no hagnafahan'ny mpitsarako an'ahy madiodio mandrakijay.8Io, mandeha miantsignana iaho, fa tsy agny Ijy, ary miakandrefagna, nefa tsy mety mahita an'Ajy iaho. 9Ny agny avaratra, ijay iasany, nefa tsy afake mahita an'Ajy iaho, ary ny agny atsimo, ijay agnavoniany ny tegnany mba tsy hahafahako mahita an'Ajy.10Nefa mahalala ny lalagna ijay ombako Ijy; laha efa nisedra an'ahy Ijy, die hivôke hôtran'ny volamena iaho. 11Nifikitre tamin'ny diany ny hongotro; nifikitre tamin'ny lalagny iaho ary tsy nivily. 12Tsy niala tamin'ireo didin'ny molony iaho; ny jakan'ny vavany die noreketiko tao am-poko mihôtre noho ny anjara haniko.13Fa tsy manam-paharoa Ijy, ija no afake hamily an'Ajy indraike? Ijay iriany die ataony. 14Fa tanterahiny hanohitre an'ahy ireo lalàny; misy rahabe hôtran'ireo.15Noho ijany mihorohoro iaho eo amin'ny fagnatrehany; laha efa mieritreritre ny momba an'Ajy iaho, die matahotre an'Ajy. 16Satria efa nataon'Andriamanitra malemy ny foko; nampihorohoro an'ahy ilay Tsitoha. 17Tsy notaperina tamin'ny enjigna iaho, nohon'ny enjin-kitroke ijay manarogna ny enjim-piton'ny tarehiko.
Chapter 24

1Nagnino ny fotôgna fitsarana ireo ratsy fagnahy no tsy nataon'ilay Tsitoha? nagnino ireo ijay mahatoky an'Andriamanitra no tsy mahita ny fahatongavan'ny andron'ny fitsarany?2Misy olo ratsy fagnahy ijay mangala ny mariky ny sisin-tany; misy olo ratsy fagnahy ijay mangala an-kery ny andian'ondry aman'osy ka mametrake ireo ao amin'ny valan-dreo manokagna.3 mandrôke ny borikin-dreo ijay kamboty ray areo; mangala ny aombin'ny mpitondrategna ho ferovana areo.4 Manery ireo olo ory hiala amin'ny lalany areo; ireo olo mahantran'ny tany die mivony an-dreo aby koa.5Io, ireo olo mahantre ireo die mivôke miasa hôtran'ny borikidia agny amin'ny tany hay, mandrembe hanina fatratre; sao mba hagnome an-dreo hanina ho an'ny jana-dreo mandy i Araba. 6Ny olo mahantre die mambele agny amin'ny haregnan'olo hafa amin'ny aligna; mitsimpogna vôloboke avy amin'ny vokatr'ireo olo ratsy fagnahy areo.7 Mandry mijily tsy misy sikigna areo ny aligna tontolo; tsy managna sanjo areo amin'ny hatsiake.8tsan'ny eriky ny tety areo; ary mandry akekin'ireo vato be satria tsy manan-kelofana. 9Misy ireo ratsy fagnahy mangala ireo kamboty eo an-tratran'ny endrine, ary olo ratsy ijay mangala ireo jaja ho fiarovana amin'ny olo mahantra. 10Fa ireo olo mahantra die mandehandeha mijily tsy misikigna; na die mandeha mosaregna aja areo, die milanja ny amboaram-barin'ireo hafa.11Ireo olo mahantra die magnano diloilo ao agnatin'ny rindrin'ireo ratsy fagnahy ireo; magnitsakitsake ao amin'ny famiajan-divain'ireo ratsy fagnahy areo, fa ny tegnan-dreo die mijalin'ny hetaheta.12 Misento ny olo ao amin'ny tanàna, mihiake mahare ny olo vôfere, satria tsy miraharaha ny vavakan-dreo Andriamanitra.13Ny saragne tamin'ireo olo ratsy fagnahy ireo die mikomy manohitre ny hajavana; sady tsy fanta-dreo ny lalagny, no mijanogna amin'ny lalagny areo.14 Melohan'ny andro majava no mitsangagna ilay mpamono olo ka mamono ny mahantra sy ny olo ory; hôtrin'ny mpangalatre ijy amin'ny aligna.15MIandry tsondrognanadro mandy koa ny mason'ireo mpijanganjanga; hoy areo hoe 'Tsy hisy maso hahita an'ahy. 'Manarogna ny tarehiny ijy. 16Ao amin'ny enjigna no hisavan'olo ratsy fagnahy ny tragno; fa areo die mampangigna ny tegnan-dreo amin'ny andro; tsy miraharaha ny hajavana areo. 17Amin'ijy abiaby, ny enjim-pito die hôtran'ny maraigna; satria areo die sakejan'ny fampihorohoroan'ny enjim-pito.18Na ijany aja anefa die ho levogna malaky areo, hôtran'ny rôtre mitsingevagna egne ambony rano; ny anjara-tanin-dreo die vôojogna; tsy misy olo handeha hiasa egne amin'ny tanim-bôlobokan-dreo. 19Hôtran'ny nampitsonihan'ny hain-tany sy ny hafanana ny oram-panala ho rano, no hangalan'ny Fiainan-tsy hita ireo ijay nanota.20Ny trokan'ijay nitondra an'ajy; ny hankagna no hihinagna an'ajy an-kamamiana; tsy ho tsaroana koa ijy; amin'ijany fomba ijany, no hahapotike ny faharatsiana hôtran'ny hajo. 21Ny ratsy fagnahy die handrapake ny viavy momba ijay namaitre jaja; tsy magnisy soa amin'ny mpitondrategna ijy.22Kanefa Andriamanitra mbola mitarike ny olo mahery amin'ny alalagn'ny heriny mandy; mitsangagna Ijy ary tsy mampatanjaka an-dreo amin'ny fiaignana.23 Andriamanitra die mamela an-dreo hihevitre fa mandry fahalemana areo, ary faly ny amin'ijany areo, kanefa ny masony die egne amin'ny lalagny.24Asandratre ireo olo ireo; kanefa, ao agnatin'ny fotôgna fohy mandy, die ho lasa areo; eke tokôtre, haetry areo; hangonina hôtrin'ny hafa abiaby areo; ho tapahina hôtran'ny tovom-bary areo. 25Laha tsy ijany, ija no afake hagnamarina an'ahy ho mpivandy; ija no afake hagnano tsinotsino ny jakako?
Chapter 25

1Ary Bildada ilay Sohita namaly ka nijaka hoe: 2''Ao amin'ajy ny fanapahana sy ny tahotre; mandamigna agny amin'ny toerany avo agny an-danitra Ijy. 3Misy fetrany ve ny isan'ireo tafiny? Amin'ija no tsy hamirapiratan'ny fahajavany?4Ahoana ary no hahamarina ny olo eo amin'Andriamanitra? Ahôna no hampadio ijay nafaitram-biavy, ho ajo ekena eo amin'ajy? 5Io, fa na die ny volagna aja tsy mamiratre amin'ajy; tsy madio eo imasony ny kintagna. 6Meka fa ny olo, ijay hankagna- ijay janak'olombelogna, ijay hankagna!''
Chapter 26

1Ary namaly Joba ka nagnano hoe:2 ''Endrey ny fagnampianao ilay raike ijay tsy manan-kery! Endrey ny mamonjenao ny sandry ijay tsy nanagna tanjake!3 Endrey ny nanoroanao hevitre ny olo ijay tsy manam-pahendrena sy ny nambaranao fahalalana tsara tamin'ajy!4 Tamin'ny fagnampian'ija no nijakanao iregne jaka iregne? Fagnahin'ija no nivôke avy taminao?5Jary nangovitre ny maty, die ireo ijay ambany rano sy ireo abiaby ijay mitoetre ao amin'ijany. 6Mijily eo ankatrehan'Andriamanitra ny Fiainan-tsy hita; ny faharavana mihintsy no tsy misy fanarognana amin'ajy.7Mamelatre ny lanitra avaratre egne amin'ny toerana babangoagna Ijy, ary mampihantogna ny tany eo amin'ny tsy misy. 8Mampitambatre ny rano ao amin'ny rahogny matevigna Ijy, kanefa tsy mitriatre ao ambanin'ijany ny rahogna.9Manarogna ny volagna ijy ary mampiely ny rahogny eo amin'ijany.10 Nisokitre faritre boribory teo ambony rano ho fetra eo amin'ny majava sy ny enjigna Ijy.11Mihovitrovitra ny andrin'ny lanitra ary taitra tamin'ny fijakana mahare.12 Nampitony ny ranomasina tamin'ny heriny Ijy; tamin'ny fahajavan-tsaigny no nandavoany an-dRahaba.13Tamin'ny fofognainy no nampisavany ny lanitra; ny tagnany no nanindrogna ny menaragna teo am-pilefana. 14Io, sombiny amin'ny lalagny fotsiny mandy ijany; endrey ny halefaky ny bitsike regnintsena avy amin'ajy! Ija no afa-mahatakatre ny kotroky ny heriny?
Chapter 27

1Die nanohy nivoria indraike Joba ka nagnano hoe: 2Laha mbola velogna tokôtre Andriamanitra, ijay nangala ny rariny ho an'ahy, ilay Tsitoha, ijay nampangidy ny fiagnako, 3laha mbola ato amin'ahy ny aignako, ary eo am-bavoroko ny fofon'aigna avy amin'Andriamanitra, die ijao no ataoko.4Tsy hijaka faharatsian'ny molotro, na hijaka fitake ny lelako; 5Tsy hagneky mihintsy iaho hoe marina anareo telo; mandra-pahafatiko die tsy handà ny fahitsiako mihintsy iaho.6Tajoniko mahare ny fahamarinako ary tsy havelako handeha; tsy handatsa an'ahy mihintsy ny eritreritro laha mbola velogna iaho. 7Ôke ny fahavaloko ho hôtrin'ny olo ratsy fagnahy; ôke ijay mitsangagna hanohitre an'ahy ho hôtrin'ny olo tsy marigna.8Fa ino no fagnantenan'ny mpaniratsira laha efa haringagn'Andriamanitra ijy, laha efa alain'Andriamanitra ny aigny?9 Moa regnin'Andriamanitra ny fitaraignany laha efa tonga amin'ajy ny fhoriana? 10Moa hampiravoaravo ny tegnany amin'ilay Tsitoha ijy hangaike an'Andriamanitra amin'ny fotôgna abiaby?11Hampianatre anareo mahakasike ny tagnan'Andriamanitra iaho; ary tsy hagnavony ny eritreritr'ilay Tsitoha iaho.12 Io, anareo abiaby mihintsy no nahita itoy; koa nagnino ary anareo no nijaka an'ijao raha tsy misy dikany abiaby ijao?13Ijao no anjaran'ny olo ratsy fagnahy amin'Andriamanitra, ny lovan'ny mpampahory ijay resiny avy amin'ilay Tsitoha: 14Laha mihamaro ny janagny, die ho an'ny sabatre ijany; tsy ho ampy sakafo mihintsy ny taranagny.15Ireo sisa velogna amin'ijany die halevign'ny areti-mandringagna, ary ny vady navelan-dreo tsy mba mitagny an-dreo. 16Na die magnangogna volafotsy hôtran'ny vovoke aja ny olo ratsy fagnahy, ary magnangogna sikigna hôtran'ny tanimanga, 17die mety hagnangogna sikigna mandy ijy, fa ny olo marina no hisikigna an'ijany, ary ny olo tsy manan-tsiny hijara volafotsy eo amin-dreo.18nangagna ny tragnony hôtran'ny faroratre ijy, hôtran'ny tragno bongo ijay ataon'ny mpiambigna. 19Mandry eo am-pandriana amin'ny fanagnan-karena ijy, kanefa tsy hijanogna amin'ijany ijy; manokatre ny masony ijy, ary lasa ny raha abiaby.20Mandrendrike an'ajy hôtran'ny rano ny horohoro; mangala an'ajy amin'ny aligna ny tafio-drivotre. 21Indôsin'ny rivotre avy agny antsignana ijy, ary lasa; mamafa an'ajy tsy ho eo amin'ny toerany ijany22Mampifatratre ny tegnany agny amin'ajy ijany ary tsy mijanogna; miejake ny mitsôke miala ny tagnany ijy.23 Miteha-tagnana an'ajy amin'ny fagnesoana ijany; misiotsioka an'ajy hiala amin'ny toerany ijany.
Chapter 28

1Ajo antoke fa misy toeram-pitrandrahana volafotsy, toerana ijay fagnadiovan-dreo volamena. 2Ny vy nalaina avy amin'ny tany; ny varahigna die mitsonike miala avy amin'ny vato.3Mampisava ny enjigna olo ka mandrembe, fehijay amin'ny fetra lavitre indrindra, ny vato agny agnaty enjigna sy enjin-kitroke. 4Mangady lavake miala ny toerana honegnan'ny olo ijy, toerana ijay efa nadignoin'ny olo. Mihantogna lavitre ny olo ijy; mitsingevagna etsy sy erôgna ijy.5Laha ny amin'ny tany, ijay ivoahan'ny mofo, die mivadike ao ambany hôtran'ny tamin'ny alalagn'ny afo ijany.6 Ny vaton'ijany no toerana ahitana ireo safira, ary ny vovogny die misy volamena.7Tsy misy vorogna mpandrembe mahafantatre ny lalagna menga ao, na ny mason'ny voro-mahery ka mahita an'ijany.8 Tsy nisy bibidia matanjaka ka nandia lalagna hôtran'ijany, na liogna masiake ka nandalo teo.9Ny olo die mametrake ny tagnany eo amb ony vato karagnana; avadigny fehijay amin'ny fakany ny tendrombohitra.10 Manapake fantsogna eo amin'ireo vatoloampy ijy; mahita ny raha sarobidy abiaby ao ,ny masony. 11Magnetsigna ny riake mba tsy hikoriagna ijy; ijay mivony ao amin'ijany die havôkany ho amin'ny majava.12a no hahitana ny fahendrena? Aja ny toeran'ny fahajavan-tsaigna? 13Ny olo die tsy mahafantatre ny vidiny; ary tsy hita eo amin'ny tanin'ny velogna ijany. 14Ny rano laligna ambanin'ny tany magnano hoe: 'Tsy ato amin'ahy ijany'; ny ranomasigna mgnano hoe: 'Tsy atoy amin'ahy ijany.'15Tsy ajom-bolamena ijany; na ny volafotsy aja tsy ajo lanjaina ho vangany.16 Tsy mahatomobagna an'ajy ny volamenan'i Ofira, mbamin'ny beryla sarobidy na safira. 17Ny volamena sy ny vato krystaly die tsy ajo ampitahaina amin'ny lanjany; ary tsy afake atakalo amin'ny firavaky ny volamena voadio ijany.18Tsy ajo jakaina akory ny lanjan'ny haran-dranomasina na ny Jaspy; eka tokôtre, ny vangan'ny fahendrena die mihôtre noho ny ruby. 19Ny topazan'i Etiopia die tsy mifampitaha amin'ajy. na ny tegna volamena aja tsy afake sandaina amin'ijany.20Koa avy aja ary, no hiavian'ny fahendrena?21 Aja no toeran'ny fahajavan-tsaigna? ny fahendrena die mivony amin'ny mason'ny raha managn'aigna abiaby ary avony an'ireo vorogn'ny habakabake. 22Ny Faharavana sy Fahafatesana die mijaka hoe: 'Tsaho mandy no regnin'ny sofignay ny amin'ijany.'23driamanitra mahalala ny lalagna menga agny; fantany ny toeran'ijany.24 Satria Ijy mijaha fehijay amin'ny fara-vajan-tany ary mahita ny ambanin'ny lanitra abiaby. 25Nagnano ny herin'ny rivotre Ijy ary namaritre ny rano araka ny refiny.26Nagnano didy ho an'ny oragna Ijy ary lalagna ho an'ny tselatry ny kotrok'oragna.27 Die nahita ny fahendrena Ijy ka nagnambara an'ijany; nametrake an'ijany Ijy, eke tokôtre, nandinike an'ijany Ijy. 28Hoy Ijy tamin'ny olo hoe: 'Io, ny fahatahorana ny Tompo- ijany no fahendrena; ny fialana amin'ny ratsy no fahajavan-tsaigna.'''
Chapter 29

1anohy nijaka Joba ary nagnano hoe:2 ''Eh, laha mba hôtran'ny tamin'iregne volagna fony nikarakaran'Andriamanitra an'ahy iregne manko iaho, 3fony namirapiratre teo an-dohako ny jirony, ary fony namakivaky ny enjigna tamin'ny fahajavany iaho.4Eh, laha mba hôtran'ny tamin'ny andron'ny fatoijako fony ny fisakejan'Andriamanitra tao an-dragnoko iregne manko iaho; 5fony mbola niaraka tamin'ahy ny Tsitoha, ary mbola nagnodidigna an'ahy ireo janako, 6fony vôrakotre ronono ny lalako, ary ny vatolampy nadrotsake rian-diloilo ho an'ahy!7Laha nivôke ny vavahadin'ny tanàna iaho, laha nipetrake tamin'ny toerako teo an-kianjan'ny tanàna iaho, 8die nahita an'ahy ary nijanogna lavitre an'ahy tamim-pagnajana ireo jalahy, ary ny olo antitre nitsangagna ka nitsangagna ho an'ahy.9Nijanogna tsy nijaka ny andriandahy laha efa tonga iaho; nanampigna ny vavany tamin'ny tagnany areo. 10Nangigna ny feon'ireo olo manan-kaja, ary nirekitre teo amin'ny lagnilagniny ny lelan-dreo.11Fa laha efa avy naharegne an'ahy ny sofigny, die nitso-drano an'ahy areo; laha efa avy nahita an'ahy ny masony, die nitsangagna vavolombelogna ho an'ahy sy nagnakeky an'ahy areo 12satria nagnavotre ny olo ijay nahantra iaho laha efa nitaraigna ijy, ary ny olo ijay kamboty ray laha efa tsy nanagna n'ija n'ija hagnampy an'ajy ijy. 13Ny tso-dranon'ijay efa ho faty die tonga tamin'ahy; nahatonga ny fon'ireo mpitondra tegna hihira fifalena iaho.14Mitafy fahamarinana iaho, ary nampitafy an'ahy ijany; ny fahamarinana die hôtrin'ny sikigna lava sy satroke. 15Maso ho an'ireo olo jamba iaho; hongotre ho an'ireo olo malemy iaho. 16Ray ho an'ireo olo ory iaho; nandinike ny ady iaho na die ny an'olo ijay tsy fantatro aja.17motike ny valagnoranon'ny olo tsy marina iaho; nagnongotre ny niharam-boigna avy teo amin'ny nifiny iaho. 18Die hoy iaho hoe: 'Ho faty ao amin'ny akaniko iaho; hampitombo ireo androko hôtran'ny vovo-pasike iaho. 19Misandrahake eo amin'ny rano ireo fakako, ary ny ando nitoetra teo amin'ireo rantsagnako ny aligna tontolo.20Ny voninahitre ao amin'ahy die vaovao lalandava, ary ny tsipikan'ny heriko die vaovao lalandava eo an-tagnako.' 21Niteno an'ahy ireo olo; nandigny an'ahy areo; nangigna mba hiteno ny toro-hevitro areo.22 Laha vita ny jakako, die tsy nijaka koa areo; nitete hôtran'ny rano teo amin-dreo ny jakako.23Nandigny an'ahy lalandava hôtran'ny nandigny oragna areo; nampisagnasagna ny vavany areo mba hinogna ny jakako, hôtran'ijay hataon-dreo amin'ny fara-oragna. 24Nihehy tamin-dreo iaho laha efa tsy nagnampo an'ijany areo; tsy mba nandà ny fahajavan'ny tarehiko areo.25Nifidy ny lalan-dreo iaho ary nidoboke ho lehibeny; niaigna hôtran'ny mpanjaka omban'ny tafikany iaho, hôtran'ny olo ijay mampionogna ireo mpisaogna.
Chapter 30

1Ankehitriny ireo ijay tanora noho iaho die tsy managna n'ino n'ino afa-tsy ny fagnesoana ho an'ahy-nabelako hiasa eo akekin'ny amboan'ny biby fiompiko ny ran-dreo. 2Eke tokôtre, ny herin'ny tagnan'ireo iabany, ahôna no nahafahan'ijany nagnampy an'ahy- ireo lelahy ijay fôgna ny herin'ny taognan'ny fahamatoran-dreo? 3Nahia nohon'ny fahatrana sy ny hanoanana areo; nihinagna tamin'ny tany maigna agnaty enjign'ny tany efitra sy rava areo.4Nambely tsimo-kajo mangidy sy ravin-boaroy areo; ny fakan'ny anjavidy no sakafon-dreo. 5Noroahiny tsy ho eo amin'ny olo ijay nagnakora an-dreo hôtrin'ny fagnakoran'ny olo raike ny mpangalatre areo. 6Koa tsy mentsy nonigna tagny an-dohasahan-driake areo, tao an-davaky ny tany sy ny vatolampy.7Nagneno hôtran'ny ampondra teo amin'ireo vôroy areo; ary tao ambanin'ireo vôroy no niarahan-dreo niangogna. 8Janak'adala areo, eke tokôtre, janak'olo tsy manan-kaja areo! Noroahina hiala tamin'ny tany tamin'ny karavasy areo.9Fa ankehitriny, lasa hira fagnesoana ho an'ireo janagny iaho; eke tokôtre, lasa fihihejana ho an-dreo iaho ankehitriny. 10Mankahala an'ahy sy mitsagnagna lavitre an'ahy areo; ary tsy mitrehe ny mandrora ny tarehiko. 11Fa Andriamanitra namaha ny tady tamin'ny tsipikako sy nampahory an'ahy, ary ireo ijay magnaratsy an'ahy die nanipy ny fanereny teo ankatrehan'ny tarehiko.12Eo amin'ny tagnana an-kavagnako no hitsangagnan'ny fanalolahy; mandrôke an'ahy areo ary magnano dongon-tany hagnano fahirano an'ahy. 13Ravàn-dreo ny lalagnako; atosi-dreo ho eo amin'ahy ny loja, die ireo lelahy ijay tsy misy n'ija n'ija hitajogna an-dreo.14tonga hanohitre an'ahy hôtran'ny tafike avy amin'ny lavaka lehibe raike eo amin'ny mandan'ny tanàna areo; eo agnivon'ny faharingagnana no agnakendan-dreo an'ahy. 15Mitodike amin'ahy ny fampihorohoroana; notsofina hôtran'ny nindôsin-drivotre ny voninahitro; levogna hôtran'ny rahogna ny fagnambignako.16Ankehitriny die mivôke avy ao agnatiko ny aignako; androm-pijaliana rahabe no nitajogna an'ahy. 17Vôtrobake ny tôlagnako ao agnatiko amin'ny aligna; tsy mitrehe ireo fananintaignana ijay mihantra amin'ahy.18Nangala ny sikignako ny herin'Andriamanitra lehibe; magnodidigna an'ahy hôtran'ny vojogn'ny sikignako ijany. 19Nanipy an'ahy tao agnaty fotake ijy; lasa hôtran'ny vovoke sy lakevogna iaho.20Mitaraigna aminao iaho, ry Andriamanitra, fa tsy mamaly an'ahy Anao; mitsangagna iaho, fa mijaha an'ahy fotsiny Anao. 21Niova Anao ary lasa lojabe tamin'ahy; amin'ny herin'ny tagnanao no angnajahanao an'ahy.22Manandratre an'ahy eo amin'ny rivotra Anao ka mampitondra an'ajy an'ahy; mampivejivejy an'ahy agnaty tafio-drivotre Anao. 23Fa fantatro fa hitondra an'ahy ho amin'ny fahafatesana Anao, ho amin'ny tragno ijay vôlahatre ho an'ny raha managnaigna abiaby.24Na ijany aja, moa ve tsy misy n'ija n'ija magnampatre ny tagnany hitalaho famonjena laha efa lavo ijy? Moa ve tsy misy olo managna olagna ka mangaike vonjy? 25Tsy nitagny ho an'ijay tra-pahoriana ve iaho? Aty tsy nalahelo ny olo ory ve iaho? 26Laha efa nandrembe ny tsara iaho, die ny ratsy no tonga; laha efa nandigny ny hajavana iaho, die ny enjigna indraike no tonga.27Ory ny foko ary tsy manam-pitsaharana; tonga tamin'ahy ireo andron'ny fahoriana. 28Efa nandehandeha hôtran'ny olo ijay nonigna tao agnaty enjigna iaho, fa tsy nohon'ny masoandro; mitsangagna amin'ny fiangonana iaho ary mihiake famonjena.29 Rahalahin'ireo amboadia iaho, akaman'ireo ostrisa.30Menty ny hoditro sady miendake amin'ahy; doran'ny hafanana ny tôlagnako. 31Noho ijay die mifagnaraka amin'ny hira fisaognana ny lokangako, ary ny sodiko ho an'ny hiran'ireo ijay mitagny.
Chapter 31

1Efa nagnano fanekena tamin'ny masoko iaho; koa ataoko ahôna ny hijaha ombam-pitsiriritana ny virijiny? 2Fa ino no anjara avy amin'Andriamanitra ambony, ilay lova avy amin'ilay Tsitoha agny amin'ny avo indrindra?3Nieritreritre fôgna iaho fa ny loja die ho an'ny olo tsy marina, ary ny fahoriana no ho an'ny mpagnano ratsy. 4Moa tsy hitan'Andriamanitra ve ny lalako ary isainy ny diako abiaby?5Laha nandeha tamin'ny vandy iaho, laha nandeha malaky ho amin'ny fitake ny hongotro, 6die ôke iaho ho lanjaina amin'ny mijagna mba hahafantaran'Andriamanitra ny fahitsiako.7Laha niala tamin'ny lala-marina ny diako, laha nandeha nagnarake ny masoko ny foko, laha misy pentigna nandoto ny tagnako, 8die ôke iaho hamafy ary ôke hihinagna ny hafa; eka tokôtre, ôke ho fongorana amin'ny haregnako ny vokatra.9ha vôfitaky ny viavy ny foko, laha nandry tam-piandrasana teo am-baravaragn'ny mpiara-belogna tamin'ahy ny vadiny iaho, 10die ôke ny vadiko hitoto vary ho an'ny lelahy hafa, ary ôke ireo hafa hiankohoke eo amin'ajy.11Fa ho heloke bevava mahatsiravigna ijany; eke tokôtre, ho heloke bevava ho sazian'ny mpitsara ijany. 12Satria ijany die afo ijay mandevogna ny raha abiaby ho an'ny Fiaignan-tsy hita sy hagnoro ny vokatro abiaby.13Laha tsy miraharaha ny fangatahana rariny avy tamin'ny mpanompoko lahy na vavy iaho laha efa niady hevitra tamin'ahy areo, 14die ino ary no hataoko laha efa mitsangagna hiampanga an'ahy Andriamanitra? Laha efa ho avy hitsara an'ahy Ijy, die ahôna no havaliko an'Ajy? 15Moa ilay raike ijay nagnano an'ahy tao an-troke sy nagnano an-dreo koa? Moa tsy raike mandy no mamolavola anay abiaby tao am-bohoke?16Laha nanakagna ny olo mahantra tamin'ny fanirian-dreo iaho, 17na raha nagna-fe ny mason'ny mpitondra tegna tamin'ny fitagniana, na raha nihinagna ny sombin-kaniko rerike iaho ary tsy nagnabela ireo ijay kamboty hihinagna ijany koa- 18satria nihalehibe niaraka tamin'ahy hôtrin'ny niaraka tamin'ny iaba lahatamin'ny fahajajako ny jaja kamboty, ary nitarika ny endriny iaho, ijay mpitondra tegna, avy tao an-kibon'ny endriko.19ha nahita olo efa ho faty nohon'ny tsy fanagnana sikigna iaho, na raha nahita mahantra tsy nanagna sikigna; 20laha tsy nisaotre an'ahy ny fony noho ijy tsy nafana tamin'ny volon'ondriko, 21laha nanandratre ny tagnako hanohitre ny olo kamboty iaho satria nahita ny fanohagnako teo am-bavahadin'ny tanàna die mitondrà fiampangana an'ahy!22Laha nagnano ireo raha ireo iaho, die ôke ny soroko ho lavo hiala amin'ny tôlan-tsoroko, ary ôke ny sandriko ho tapake amin'ny tonon-tôlagny. 23Satria natahotre ny fahapotehana avy amin'Andriamanitra iaho; nohon'ny voninahiny, die tsy afaka nagnano ireo raha ireo iaho.24Laha nagnano ny volamena ho fagnatenako iaho, ary laha nijaka tamin'ny volamena tsara iaho hoe: Anao no atokisako; 25laha nifaly nohon'ny halehiben'ny haregnako iaho, satria nahajo fanagnana rahabe ny tagnako, die mitondrà fiampangana an'ahy!26ha nahita ny masoandro iaho laha efa namirapiratre ijany, na ny volagna mandehandeha amin'ny famirapiratany,27 ary raha vôsarika mangingigna ny foko, hany ka nagnoroke ny tagnako mba hiderana an-dreo ny molotro- 28die ho heloke bevava hosazian'ireo mpitsara mandy koa ijany, satria efa nandà ilay Andriamanitra ijay ao ambony iaho.29ha nifaly tamin'ny fahapotehan'ijay nankahala an'ahy iaho na niarahaba tegna laha efa tratran'ny loja igny, die mitondrà fiampangana an'ahy! 30Eke tokôtre, tsy nabelako hanota akory ny vavako tamin'ny fangatahana ny aigny tamin'ny ojogna.31Laha tsy mbola nijaka mihintsy ireo olo ao amin'ny laiko hoe: 'Ija no afake mahita ilay tsy vokin'ny hanin 'i Joba?' 32(na ny vahiny aja tsy vôtery nijanogna teo an-kianjan'ny tanàna, satria nanokatra ny varavarako ho an'ny mpandeha fehijay iaho), ary laha tsy ijany, die mitondrà fiampiangana an'ahy!33Laha, nagnavony ireo fahotako tamin'ny fagnavoniana ny heloko tao agnatin'ny sikigna lavako, hôtran'ny olombelogna iaho (satria natahotre ny maro agn'isa iaho, 34satria nampihorohoroho an'ahy ny tsy firaharahian'ny fianakaviana, hany ka nangigna iaho ary tsy nandeha tagny ivelany), die mitondrà fiampagnana an'ahy!35Indrisy, laha mba nisy olo niteno an'ahy manko! Io, itoy ny soniako; ôke hamaly an'ahy ilay Tsitoha! Laha mba nanagna ny fiampangagna ijay nosoratan'ny mpanohitre an'ahy manko iaho! 36Hitondra ijany eo an-tsoroko tokôtre iaho, hanôvako hôtran'ny satro-boninahitre ijany. 37Hagnambara amin'ajy ny isan'ny diako iaho; hôtran'ny andriandahy mahatoky no hiakarako agny amin'ajy.38Laha mitaraigna manohitre an'ahy ny taniko, ary miara-mitagny ny baibgany,39 laha nihinagna ny vokany nefa tsy nandoa an'ijany iaho na nahatonga ireo tompony hamoy ny ain-dreo, 40die ôke ireo tsilo no haniry fa tsy vary ary tsimparifary fa tsy vary ordea. ''Tapitre ny jakan'i Joba.
Chapter 32

1ie nitrehe tsy namaly an'i Joba koa ireo telolahy ireo satria marina teo imasony mandy ijy. 2Ary die nirehitre ny havigniran'i Eliho janake lahin'i Barakela ilay Bozita, avy amin'ny fokon'ny Rama; nirehitre tamin'ny Joba ijany satria nagnamarina ny tegnany ijy laha tokony ho Andriamanitra3Nirehitre tamin'ijy telo lahy akamany mandy koa ny havigniran'i Eliho satria tsy nahita jaka havaly an'i Joba areo, ary mbola nomelohin-dreo mandy i Joba. 4Ary Eliho die nandigny ny hivoria tamin'ny Joba satria ireo lelahy hafa ireo die lehibe noho ijy. 5Kanefa, laha efa hitan'i Eliho fa tsy nisy jaka havaly an'i Joba teo ambavan'ijy telo lahy ireo, die nirehitra ny havignirany.6Ary Eliho janaka lahin'i Baraklea ilay Bozita nijaka mahare ka nagnano hoe: ''Tanora iaho, ary anareo die efa antitre. Ka ijany antony nisalasalako ka tsy nahasahiako nijaka taminareo ny hevitro manokagna. 7Hoy iaho hoe: '' Ny halavan'ny andro no tokony hijaka; ny taogna maro no tokony hampianatra fahendrena.8Kanefa misy fagnahy ao amin'ny olo; ny fofonaign'ilay Tsitoha no magnome an'ajy fahajavan-tsaigna; 9Tsy ijay olo lehibe mandry no hendry, na ireo olo mahajo taogna mandy no mahatakatre ny rariny. 10Noho ijany die hoy iaho aminareo hoe; Tenoy iaho; hambarako aminareo mandy koa ny fahalalako.'11, nandigny ny jakanareo iaho; niteno ny fandresen-dahatrareo iaho laha nieritreritre ijay ho jakaina anareo. 12Niteno tsara anareo tokôtre iaho, io, tsy nisy na die raike taminareo aja afaka nandresy lahatre an'i Joba na afaka namaly ireo jakany.13Tandremo mba tsy hilaja hoe:'Efa nahita fahendrena ahay!' Andriamanitra die tsy mentsy handresy an'i Joba; Laha olon-tsotra tsy afaka ny hagnano an'ijany.14 Satria i Joba tsy nijaka mivantagna tamin'ahy, die tsy hamaly an'ajy amin'ny jakanareo iaho.15Tsy nahaloa-bava ireo telolahy ireo; tsy nahavaly an'i Joba koa areo; tsy managna jaka ho jakaina koa areo.16 Tokony handigny ve iaho satria tsy mijaka areo, satria mitsangagna eo areo ka mangigna ary tsy mamaly koa?17ia, hamaly amin'ny anjarako koa iaho; ho jakaiko an-dreo mandy koa ny fahalalako. 18Satria managna jaka rahabe ho jakaina iaho; ny fagnahy ijay ato agnatiko no manery an'ahy. 19Io, hôtran'ny divay milogna ijay tsy misy hivoahany ny trayrako; hôtran'ny siny hoditre vaovao, ijay efa hitriatre.20Ary hijaka iaho mba hahavelombelogn'aigna an'ahy; hanokatre ny molotro iaho ka hamaly. 21Tsy haneho fiangarana iaho; ary tsy hagnome fangehana mihaja na amin'ija na amin'ija.22 Satria tsy haiko ny magnomefangehana hôtran'ijany; laha nagnano an'ijany iaho, die hangala an'ahy tsy ho ela ny Mpahary an'ahy.
Chapter 33

1Koa ankehitriny, ry Joba, miangavy anao iaho, mandregnesa ny lahateniko; henoy ny jakako abiaby. 2Io ankehitriny, efa manokatre ny vavako iaho; efa mijaka tao am-bavako ny lelako. 3Avy amin'ny fahitsian'ny foko ny jakako; magnambara fahalalana madio ny molotro.4Ny fagnahin'Andriamanitra no nagnano an'ahy; ny fofonaign'ilay Tsitoha no nagnome fahavelomana an'ahy. 5Laha ajonao atao, valio iaho; alaharo eto ankatrehako ny jakanao ka mitsangàna.6Io, hôtranao mandy iaho eo imason'Andriamanitra; namboarina avy tamin'ny tanimanga mandy koa iaho. 7Io, tsy hampatahotre anao ny horohoroko; na havesatre anao ny tsindriko.8Nijaka teo an-tsofiko tokôtre anao; regniko ny feon'ny jakanao nagnano hoe:9 Madio iaho ary tsy misy heloke; tsy manan-tsiny iaho, ary tsy misy ota ato amin'ahy.10Ijao, mahita irika hamelejana an'ahy Andriamanitra; resiny ho hôtrany fahavalony iaho. 11Hapetrany amin'ny boloky hajo ny tongotro; dinihiny aby koa ny lalako.' 12Io, amin'ijao no mahadiso anao-hamaly anao iaho, satria lehibe noho ny olo Andriamanitra.13Nagnino anao no miady amin'ajy? Tsy magnisa n'ino n'ino amin'ijay ataony Ijy.14 Fa mijaka indraike mandeha Andriamanitra- eny, indroe, na die tsy tsikaritry ny olo aja ijany. 15Ao Agnaty nofy, ao agnaty fahitana amin'ny aligna, laha efa tonga amin'ny olo ny torimaso laligna, laha efa ao agnaty faharendrehana eo am-pandriana-16Die manokatra ny sofin'ny olo Andriamanitra, ary mampatahotra an-dreo amin'ny horohoro, 17mba hisintogna ny olo hiala amin'ny tanjogny feno fahotana, sy hagnalavirana ny fieboeboana amin'ajy. 18Andriamanitra no miaro ny aign'olo amin'ny lavaka, ny aigny tsy hiampita ho agny amin'ny fahafatesana.19Fejina amin'ny fanaintagnana eo am-pandriany mandy koa ny olo, miarake amin'ny fangirifiriana tsy mijanogna ao amin'ny tôlagny, 20mba hankahala hanina ny aigny, ary hankahala hanim-py ny fagnahiny.21Levogna ny nofony mba tsy ho hita; ny tôlagny, ijay tsy hita fahiny, die mihatrihatry ankehitriny. 22Eke tokôtre, magnakeky lavake ny fagnahiny, ary ny aigny akekin'ireo ijay maniry hamotike an'ijany.23Kanefa laha misy anjely raike afake ny ho mpagnelagnelana ho an'ajy die mpagnelagnelagna raike, avy amin'ireo anjely an'agnalignaline, mba hampibôke an'ajy ijay mety hatao, 24ary raha malemy fagnahy amin'ajy ilay anjely ka mijaka amin'Andriamanitra hoe: 'Vonjeo mba tsy hijotso agny an-davake itoy olo itoy; fa nahita vidim-pagnavotana ho an'ajy iaho.'25y die hanjary ho vaovao noho ny an'ny jaja ny nofony; die hipôdy amin'ny andro tamin'ny herin'ny fahatanorany ijy.26 Hivavake amin'Andriamanitre ijy, ary halemy fagnahy amin'ajy Andriamanitra, mba hahitany ny tarehin'Andriamanitra amin'ny fifaliana. Homen'Andriamanitra an'ilay olo ny fandreseny.27Die hihira eo alohan'ny olo hafa ijany olo ijany ka hagnano hoe: 'Nanota iaho ka namadike ijay marigna, Kanefa tsy nofejina ny fahotako. 28Namonjy ny fagnahiko tsy hijotso agny an-davaka Andriamanitra; hahita fahajavana lahatagny ny fiaignako.'29Io, magnano ireo raha ireo amin'ny olo raike Andriamanitra, indroe, eke, intelo aja, 30mba hitondra ny fagnahiny hipody avy agny an-davaka, mba ho hajavaina amin'ny fahajavan'aigna ijy.31Mitandrema ry Joba, ary mitenoa an'ahy; mangina die hijaka iaho.32 Laha misy hambara anao, die valio iaho; mijaka, fa magniry ny hagnaporofo iaho fa marina anao. 33Laha tsy ijany, die tenoy iaho; mangigna, die hampianariko fahendrena anao.''
Chapter 34

1Fagnampin'ijay, die mbola nijaka i Eliho hoe: 2''Tenoy ny jakako, ry lelahy hendry; tenoy iaho, anareo ijay managna fahalalana. 3Fa ny sofigna die maharegne ny jaka hôtran'ny hatsapan'ny lela ny tsiron-kanina.4Ôke antsena hisafidy ijay rariny ho antsena: Ôke antsena samby hahita ny tsara eo amintsena. 5Fa i Joba nijaka hoe: 'Marina iaho, fa nalain'Andriamanitra ny joko. 6N'ino n'ino joko, die resina ho mpivandy iaho. Tsy ajo sitragnina ny ratrako, na die tsy nanota aja iaho.'7Fa lelahy ino i Joba, ijay misotro ny fagnamavôna hôtran'ny rano, 8ijay mandeha etsy sy eroa miaraka amin'ireo mpagnano ratsy, ary miray lalagna amin'ny olo ratsy fagnahy? 9Fa efa nijaka ijy hoe:' Tsy hahajoan'ny olo tombony ny miravoravo amin'ny fanôvana ijay tian'Andriamanitra.'10Ka tenoy iaho, ry lelahy managna fahajavan-tsaigna: sagnatria amin'Andriamanitra anie ny hagnano ratsy; sagnatria amin'ilay Tsitoha anie ny hanota. 11Satria mamaly ny asan'ny olo ijy; ataony tody amin'ny valisoan'ny lalagna nosafidiany ny olo abiaby. 12Eke tokôtre, tsy mba magnano ratsy Andriamanitra, na hamadike ny rariny mandrakijay ny Tsitoha.13a no nampiandrekitra an'ajy ny tany? Ija no nametrake ny tany raike manontolo teo ambaniny? 14Laha ijy mandy no hifantohan'ny tegnany, ary laha mamerigna magnangogna ny fagnahiny sy ny fofonaigny ijy, 15die hiarake ho lo aby koa ny nofo abiaby; ary hipody ho vovoke indraike ny olombelogna.16Laha managna fahajavan-tsaigna anao ankehitriny, die tenoy ijao; tenoy ny feon'ny jakako. 17Afake ny hitondra ve ny olo raike ijay mankahala ny rariny? Ho helohinao ve Andriamanitra, ijay marina sy mahery?18Andriamanitra ijay mijaka amin'ny mpanjaka hoe: 'Maharikoriko anao, na koa mijaka amin'ireo manan-kaja hoe: 'ratsy fagnahy anareo? 19Andriamanitra ijay tsy miangatra amin'ireo mpitondra ary tsy magnome lanja ireo mpanan-karena mihôtre ireo olo mahantre, satria asan'ny tagnany aby koa areo. 20Ao agnatin'ny fotôgna fohy areo die ho faty; amin'ny sasak'aligna die ho vôhojongojogna ny olo ary ho faty; ho alaina mandy koa ny olo mahere, kanefa tsy amin'ny tagnan'olombelogna.21Fa ny mason'Andriamanitra die eo amin'ny lalagn'ny olo; hitany aby koa ireo dingagna ataony. 22Tsy misy enjigna, na enjim-pito hivonian'ireo mpagnano ny tsy rariny. 23Fa tsy mila mandinike ny olo koa Andriamanitra; tsy misy antony handehan'olo ho tsaraina eo ankatrehany.24Potepotehin'ireo lelahy mahery nohon'ny lalan-dreo ijay tsy ilana fagnadihadiana koa; hapetragny amin'ny toerany aby ny hafa. 25Ary ijany no hahafantarany ny asan-dreo; amin'ny aligna no handravany ireo olo ireo; ringagna areo.26mason'ny hafa, vonoiny hôtran'ny jiolahy areo nohon'ny asa ratsy vitany27 satria nivadike tsy nagnaraka an'Ajy areo ary tsy nety nagneky na raike aja tamin'ny lalagny. 28Tamin'ijany, die nataon-dreo tonga teo amin'ajy ny tagnin'ireo mahantra; ary renigne ny tagnin'ireo olo nampahoriana.29Laha efa nangigna IJy, ija no afake hagnameloke an'Ajy? Laha navoniny ny tarehiny, ija no hahita an'Ajy? MItovy ny fanapahany ny firenena sy ny kiraidraike,30 mba tsy ho afaka hanapaka ny olo mpaniratsira, mba tsy hisy na raike aja hamandrike ny olo.31ha atao hoe misy olo raike mijaka amin'Andriamanitra hoe: 'Meloke tokôtre iaho, fa tsy hanota koa; 32ampianaro an'ahy ny raha tsy mety hitako; nanota iaho, fa tsy hamerigna an'ijany koa. 33Die mihevitre ve anao fa ho sazian'Andriamanitra nohon'ny otan'ijany olo ijany satria tsy tianao ny ataon'Andriamanitra? Ôke anao no hisafidy, fa tsy iaho. Ka jakao ijay fantatrao.34Ny olo managna fahajavan-tsaigna die hijaka amin'ahy hoe- eke tokôtre, ijay lelahy hendry abiaby maharegne an'ahy die hijaka hoe: 35'Mijaka tsy am-pahalalana i Joba; tsy misy fahendrena ny jakany.'36ha mba notsaraina tamin'ny antsipirihany kely indrindrake tamin'ny tranga nahajo an'ajy manko i Joba nohon'ny voriany hôtran'ny olo ratsy fagnahy. 37Fa ampiany fikomiana ny fahotany; miteha-tagnana am-pagnesoana eo agnivontsena ijy; magnangogna jaka anoherana an'Andriamanitra ijy.''
Chapter 35

1o fagnampin'ijany i Eliho die mbola nanohy, nijaka hoe: 2''Mihevitre ve anao fa marina ijany laha efa mijaka anao hoe: 'Ny joko eo ankatrehan'Andriamanitra? 3Satria anao nagnotagny hoe: 'Ino no asan'ijany amin'ahy? sy hoe: 'Ho lalo tsara ve iaho laha magnota?4Hamaly anao iaho, anao sy ireo sakejanao. 5Jahao ny lanitra, die jahao ijany; jahao ny lanitra, ijay avo noho anao.6laha nagnota anao,die ino no ratsy namboarin'an'Andriamanitra? Laha miangogna lôtre ny fandikan-dalànao,die ino no amboarinao amin'ajy? 7Laha marina anao, die ino no afake hamenao an'ajy? ino no ho ratsiny avy amin'ny tagnanao?8 Ny faharatsena die mety handratre olo raike, amin'ny maha-olo anao, ary ny fahamarignanao die mety hahasoa ny janaky ny olo hafa.9nohon'ny asa fampijalena rahabe, die mitoreo ny olo; mila vonjy avy amin'ny sandrin'olo mahery areo. 10Fa tsy misy na ija na ija mijaka hoe: 'Aja Andriamanitra ijay nagnambôtra anahy, ijay magnome hira amin'ny aligna,ijay11 mampianatra antsena nohon'ny fampenarany ireo bibidian'ny tany, ary ijay magnano antsena ho hendry nohon'ny vorognan'ny lagnitra?'12ny areo no mitaraigna, fa Andriamanitra tsy magnome valiny an-dreo nohon'ny fieboeboa'ny olon-dratsy. 13Tsy haharegne ny fitagnian'ny môla tokôtre Andriamanitra; tsy hiraharaha an'ijany ilay Tsitoha. 14Akory ny hakelin 'ny hamaliany anao laha mijaka anao fa tsy mahita an'Ajy, fa ny adinao die eo ankatrehany, ary mandigny an'Ajy anao!15Akory ny hakelin'ny hamaliany anao laha mijaka anao fa tsy magnafay n'ija n'ija amin-kavignirana mihintsy Ijy, ary tsy miraharaha lôtre ny avognavogn'ny olo Ijy. 16Koa nanokatra ny vavany mba hijaka ôla fotsiny mandy; nanangogna jaka tsy amim-pahalalana ijy.''
Chapter 36

1anohy mandy Eliho ary nijaka hoe:2 ''Mamelà an'ahy hijaka lavalava loholoho, die haneho raha anao iaho satria mbola misy kely ho jakaiko ho ferovana an'Andriamanitra. 3Hahajo ny fahalalako avy lavitra iaho; hagneky iaho fa ny fahamarinana die an'ny Mpahary an'ahy.4Fa eke Tokôtre, tsy ho diso ireo jakako; olo matotre ao amin'ny fahalalana no eto aminao. 5Io, Andriamanitra die mahery, ary tsy mamingavinga n'ija n'ija; mahery amin'ny herin'ny fahajavain-tsaigna Ijy.6sy miaro ny aign'olo ratsy fagnahy Ijy fa koja magnano ijay marina ho an'ireo ijay mijaly. 7Tsy mangala ny masony amin'ireo olo marina Ijy fa koja mametrake an-dreo mandrakijay eo amin'ny seja fiandriagnana hôtrin'ny mpanjaka, ka misandratre areo.8Laha vôfatotre tamin'ny rojo ary vôfandrike tamin'ny tadin'ny fampijaliana areo, 9die atorony an-dreo ijay namboariny, sy ny helokan-dreo ary ny fieboebon-dreo.10Manokatre ny sofin-dreo ho amin'ny fampianarany mandy koa Ijy, ary mandidy an-dreo mba hiala amin'ny heloka. 11Laha miteno an'Ajy sy manompo an'Ajy areo, die handany ny andron-dreo amin'ny fagnambignana, sy ny taognan-dreo amin'ny fifaliana. 12Na ijany aja, laha tsy miteno areo, die ho vonoina amin-tsabatre; ho faty areo satria tsy manam-pahalalana.13Mitahiry ny havignirany areo ijay mpaniratsira am-po; tsy mangaike vonjy areo na die mamatotre an-dreo aja Andriamanitra. 14Maty eo amin'ny fahatanorany areo; tapitre eo amin'ireo mpijanganjanga amin'ny fivavavahana ny andron-dreo.Andriamanitra mamonjy ireo olo nampahoriana amin'ny alalan'ny fahorian-dreo; manokatre ny sofin-dreo amin'ny alalagn'ny fampahoriana an-dreo Ijy. 15Eke tokôtre, te-hangala anao amin'ny fahoriana ho agny amin'ny toerana malalake ijay tsy misy raha sarotre sy ijay androsoana hanina feno sabora amin'ny latabatrao Ijy.17Nefa anao die feno fitsarana ny olo ratsy fagnahy; nitagna anao ny fitsarana sy ny rariny. 18Aja abela hitaogna anao ho amin'ny fagnesoana ny havigniranao, na hampivily anao ny halehiben'ny vidim-pagnavotagna.19Afaka magnome tombony anao ve ny haregnanao, mba tsy ho ao agnatin'ny fahoriana anao, sa afaka magnampy ve ny herin'ny fahatanjahanao abiaby? 20Aja magniry ny aligna, mba hanotana hanoherana ireo hafa, laha efa alaina eo amin'ny toeran-dreo ny olo. 21Mitandrema mba tsy hipody hanota anao satria efa nosedraina tamin'ny fampijaliana anao mba hagnalaviranao ny fahotana.22, misandratre amin'ny heriny Andriamanitra; ija no mampianatre hôtran'Ajy? 23Ija no efa nampianatre an'Ajy ny amin'ny lalagny? Ija no mba afaka hijaka an'Ajy hoe; 'Efa nagnano ny tsy marina Anao?' 24Tsarovy ny midera ireo asany,ijay nohirain'ny olo.25Efa nijaha ireo asa ireo ny olo abiaby, nefa avy egne lavitra mandy no ahitany ireo asa ireo. 26Io, lehibe Andriamanitra, nefa tsy ajontsena tsara Ijy; tsy hay kajiana ny isan'ny toagnany.27 efa mangala ireo rano nitete ijay natsikany ho erike avy amin'ny entogny Ijy, 28ijay arotsaky ny rahogna sy atondrany rahabe amin'ny olombelogna. 29Eke tokôtre, misy olo mahatakatre ny halehiben'ny fielejagn'ny rahogna sy ny godogna avy amin'ny tragnony ve?30Io, magnaparitake ny tselatrany magnodidigna an'Ajy Ijy ary mandrakotre ireo fagnambanin'ny ranomasina.31 Amin'ijany fomba ijany no hitsarany ireo olo sy hagnomejany hanina mitafotafo.32Mameno tselatre ny tagnany Ijy mandra-pandidiany an'ijany mba hamely ny marik'ijany. 33Ny kotrok'ijany dia mampitandrigna ny amin'ny tafio-drivotre, ny biby fiompe mandy koa die afake maharegne fa avy ijany.
Chapter 37

1Eke tokôtre, mihorohoro amin'ijany ny foko; miala amin'ny toerany. 2Tenoy, oh, tenoy ny fikotaban'ny feony, ny feo ijay mivôke avy amin'ny vavany.3 Mandefa an'ijany egne ambany lanitra manontolo Ijy, ary mandefa ny tselam-pahajavany lahatagny amin'ny sisin-tany.4Misy feo mierogna afaran'ijany; mikotrokotroke amin'ny feon'ny voninahiny Ijy; tsy manakagna ny tsela-pahajavana hitselatre Ijy laha efa regne ny feony. Mahajendagna ny fikotrokotroky ny5 feon'Andriamanitra; magnano raha lehibe ijay takatsena Ijy. 6Fa hoy Ijy amin'ny oram-panala: ''Milatsaha egne amin'ny tany''; hôtran'ijany koa ny ranon'erike: 'Tongava ho rotsak'oragna mivatraravatra be'.7ampitrehe ny tagnan'ny lelahy kiraidraike amin'ny asany Ijy, mba hahafahan'ny olo abiaby ijay namboariny hahita ireo asany. 8Die miditre ao amin'ny fivoniany koa ireo bibidia ka mamitsake agny an-dakatone. 9Ny tafio-drivotre tonga avy agny amin'ny efiny avy agny atsimo, ary hatsiake avy amin'ny fiparitahan'ny rivotre avy agny avararatre.10in'ny alalagn'ny fofogn'aignan'Andriamanitra no mampisy ny ranomandry. Mivengagna hôtran'ny vy ny rano be midadasike. 11Magnavesatre ny rahogna matevigna amin'ny hamandoana tokôtre Ijy; mampiely ny tsela-pahajavany amin'ny rahogna Ijy.12Magnodikondigna ny rahogna araka ny fitarihany Ijy, mba hahafahan-dreo magnano an'ijay andidiany an-dreo eo ambony velaran'ijao tontolo ijao. 13Ataony mibôke ijany abiaby ijany; indraindraike die mibôke ijany ho fagnitsiana, indraindraike ho an'ny taniny, ary indrindraike ho an'ny asa fanekena mahatoky.14noy ijao, ry Joba; mijanogna ary saigno ny momban'ireo asa mahagagan'Andriamanitra.15 Fantatrao ve ny faneren'Andriamanitra amin'ny sitrapony amin'ny rahogna sy fanôvany ny tsela-pahajavana hitselatre ao amin'ireo?16katrao ve ny fihevahevan'ny rahogna, ireo asa mahajendagn'Andriamanitra, ijay tonga lafatre amin'ny fahalalana? 17Takatrao ve ny mahatonga ireo sikignanao hafana laha efa milamigna ny tany satria tonga avy atsimo ny rivotre?18Anao ve afake mamelatre ny habakabake hôtran'ny ataony- die ny habakabake, ijay mafy hôtran'ny fitaratre manganohano vita amin'ny vy vôrendrike?19 Mba ampianaro ahay ary ijay tokony ho jakainay amin'ajy, fa ahay tsy mahavita mandahatre ireo tohan-kevitray nohon'ny fahamenjignin'ny fisaignanay. 20Tokony hijakana ijay tiako jakaina amin'ajy ve Ijy? Misy olo magniry ny ho vôteligna ve?21kehitriny, tsy afake mijaha ny masoandro laha efa mamiratre egne amin'ny habakabake ve ny olo afaran'ny fandalovan'ny rivotre ka nampisavany ny rahogny. 22Avy agny avaratra no hihavian'ny famirapiratana volamena- voninahitra mampatahotra no eo amin'Andriamanitra.23Laha ny amin'ny Tsitoha, tsy afaka mahita an'Ajy antsena! Ijy die lehibe amin'ny fahefana; tsy mampahory ny rariny Ijy ary be fahamarinana. 24Noho ijany matahotre an'Ajy ny olo. Tsy mijaha ireo ijay mihevi-tegna ho hendre akory Ijy.''
Chapter 38

1Avy eo die nangaike an'i Joba avy tao amin'ny tafio-drivotre mahery vaike Yaveh ka nagnano hoe: 2''Ija itoy mitondra enjigna amin'ireo fikasana amin'ny alalagn'ny jaka tsy misy fahalalana itoy?3 Ampisikigno hôtran'ny lelahy ny valahagnao fa hametra-pagnotaniana aminao Iaho, ary tsy mentsy mamaly an'Ahy anao.4aja anao fony nagnorigna ny fototry ny tany Iaho? Jakao an'Ahy, laha tena managna fahajavan-tsaigna be anao. 5Ija no namaritre ireo refiny? Jakao an'Ahy, laha fantatrao. Ija no nagnejagna ny tady fandrefesana teo amin'ajy?6Tamin'ino no nametrahana ny fotony? Ija no nametrake ireo vato fehijorony 7laha efa niara-nihira ny kintan'ny maraigna ary nihiaka fifaliana ireo janak'Andriamanitra abiaby?8Ija no nagnidy ny ranomasina tamin'ny varangaragna laha efa vaky ijany, laha nivôke hôtrany avy tao an-troke ijany- 9laha efa nagnano ireo rahogna ho sikignany Iaho, ary enjim-pito ho fognony?10any die tamin'ny namaritako ny faritre amin'ny sisin-dranomasigna, sy tamin'ny nametrahako ny hidy sy varangaragny, 11ary tamin'ny nijakako tamin'ajy hoe: 'mety ho tonga hatreo anao, kanefa tsy hihôtre lavitre; eto no hametrahako ny fetre amin'ny fisafôky ny onjanao.'12hatamin'ijay nanombohan'ny andronao, efa nagnome beko ny maraigna hiposake ve anao, ary nahatonga ny mangiran-dratsy hahalala ny toerany eo amin'ny filahatry ny raha abiaby, 13mba hitajognany ireo joron'ny tany ka hiojongojogna hiala eo amin'ajy ny olo ratsy fagnahy?14ova hôtran'ny fiovan'ny tanimanga ambanin'ny tombo-kase ny endriky ny tany; ny raha abiaby eo amin'ajy die miavake majava tsara hôtran'ny fivalogn'ny sikigna. 15Avy amin'ireo olo ratsy fagnahy no nangalana ny hajavan-dreo; ny sandry misandratran-dreo die notapahina.16Efa nandeha tagny amin'ny loharanon-dranomasina ve anao? Efa nandeha tagny amin'ny laligna ambany indrindrake ve anao?17 Efa nabôke taminao ve ireo vavahadin'ny fahafatesana? Efa nahita ireo vavahadin'ny aloky ny fahafatesana ve anao? 18Efa nodinihinao ve ny fivelaran'ny tany? Jakao an'Ahy, laha fantatrao daholo ijany.19Aja no lalagna menga agny amin'ny toerana fitrihen'ny fahajavana hôtran'ijany ny enjigna, aja ny toerany? 20Afake mitarike ny hajavana sy ny enjigna agny amin'ireo toeram-piasan-dreo ve anao? Hitanao ve ny lalagna mipody menga agny an-dragfnon-dreo?21 Fantatrao tsy am-pisalasalana ijany, satria efa nafaitre tamin'ijany anao; lava die lava tokôtre ny isan'ny andronao!22a niditre tao amin'ny tragno fitehirijana ny ranomandry ve anao, na efa nahita ny tragno fitehirijana ny havandra ve anao, 23ireo raha ijay notehirijiko ho amin'ireo fotôm-pahoriana, ho amin'ireo andron'ny ady? 24Aja ny lalagna hitselaran'ny varatre na miparitake menga aja eto ambonin'ny tany ireo rivotre avy agny antsignanana?25Ija no nangady ireo lalan-drano ho an'ny tondrak'erike, na ija no nagnoritre ny lalan'ny fipoahan'ny varatre, 26mba hampilatsake ny erike egne amin'ireo tany ijay tsy misy olo, sy egne amin'ireo tany efitre, ijay tsy misy n'ija n'ija, 27mba hahatanterahana ireo filan'ireo tany karakaigna sy efitre, ka hampitsimoke ny ahi-metso?28Manan-dray ve ny erike? Ija no namaitre ny ranon'ando? 29Trokan'ija no niavian'ny ranomandry? Ija no namaitre ny fanala avy agny an-danitra? Mivony ny rano ary lasa hôtran'ny vato; lasa30 mivengagna ny fagnambonin'ny laligna.31Afake manery ireo rojo amin'ireo Ikotokelimiadileogna ve anao, na mamaha ny tadin'ny Telonohorefy? 32Afake mitarike ireo kintagna mba hibôke amin'ny fotôgna tokony ho ijy ve anao? Afaka mitarika Bera miaraka amin'ireo janagny ve anao?33 Mahafantatre ny lalàn'ny lanitra ve anao? Afaka mametrake ny lalàn'ny lanitra ambonin'ny tany ve anao?34Afake mampiaka-peo lahatagny amin'ny rahogna ve anao, mba handrakofan'ny ranon'oram-be anao?35 Afaka mandefa tselatra ve anao mba hahafahan-dreo mivôke, mba hijakan-dreo hoe: 'Ito ahay?'36a no mametrake ny fahendrena tegne amin'ny rahogna na nagnome fahajavan-tsaigna tamin'ny javogna? 37Ija no afaka magnisa ny rahogna amin'ny fahejany? Ija no afaka manondraka ny fitoeran-dranon'ny lanitra 38laha efa mitambatre ho fotaka lehibe ny vovoka ary mitrekitre ireo benga-tany?39Afaka misambotre rembe ho an'ny liogna vavy ve anao na magnome fahafaham-po ny mosarin'ny liogna tanora40 laha efa mamitsake ao amin'ny fitoerany sy magnotrike ao amin'ny kirihitre areo?41Ija no mamatsy rembe ho an'ireo goaike laha efa mitaraigna amin'Andriamanitra sy mivembegna nohon'ny tsy fahampian-kanina ireo janagny?
Chapter 39

1antatrao ve hoe amin'ny fotôgna ino no iterahan'ny osi-dia ny janagny egne amin'ny vatolampy? Vôdinikao ve laha efa mamaitre ny janagny ny diera vavy?2 Vôisanao ve ireo volagna hitondran'ireo vohoke? fantatrao ve ny fotôgna hamairany ireo janagny?3iondrike areo ka mamaitre ny janagny, ary die tapitra ny fanaintaignan'ny famairany. 4Mihamatanjake sy mitombo egne amin'ny haregnana lehibe ireo janagny; lasa areo ka tsy mipody koa.5Ija no mamela malalake ny boriki-dia handeha? Ija no mamaha ny fatoran'ny ampondra dia, 6ijay efa namboarako fonegnana agny araba, ny tragnony agny amin'ny tanin-tsira?7Mihehy am-pagnesoagna ny tabataba ao an-tanàna ijy; tsy maharegne ny hiakiak'ireo mpandrôke ijy. 8Mirengirengy egne an-tety fihinanam-bilogny ijy; agny ijy no mandrembe ny ahi-metso abiaby hohanina.9 Ho faly hanompo anao ve ny aombi-dia? Hagneky ny hijanogna eo amin'ny fihinana namboarina ve ijy? 10Mahafehe ny ombi-dia amin'ny tady mba hamadihany ny bainga ve anao? handravogna ny lohasaha ho anao ve ijy?11Hatoky an'ajy ve anao satria lehibe ny heriny? Handao ny asanao mba hataony ve anao? 12Hiantehitre amin'ajy mba hitondra ny varinao agny an-dragno, sy hagnangogna ny vary ho eo amin'ny famiham-bary ve anao?13Ny elatry ny ostrisa die mikopakopaka am-pireharehana, nefa misy fitiavana ve ny elany sy ny volony?14 Satria mandao ireo atodiny egne amin'ny tany ijy, ary avelany hafana ao amin'ny ovoka ireo;15 hadignony fa mety hisy hongotre hanorotoro na mety hisy bibi-dia hagnitsakitsaka an-dreo16Mampijaly ireo janagny ijy hôtran'ny hoe tsy an-dreo; tsy matahotre ijy na die mety ho very maigna aja ny asany, 17satria Andriamanitra nangala tamin'ny fahendrena ary tsy nagnome an'ajy fahalalana. 18Laha efa nihajakajake mahare ijy, die hihejany am-pagnesoana ny sôvaly sy ny mpideba an'ajy.19Moa ve nomenao ny heriny ny sôvaly? Nampisikigna ny vojogny tamin'ny volony mihofahofa ve anao? 20Efa nampitsambikigna an'ajy hôtrin'ny valala ve anao? Mampatahotre ny hamafin'ny fiefognefony.21Mibitake amin'ny heriny ijy ary miravoravo amin'ny tanjagny; mivôke malaky hitsena ny fitôvam-pidiana ijy.22 Magneso ny tahotre ijy ary tsy reki-tahotre; tsy mihemotre amin'ny sabatre ijy. 23Mifioke eo agnilany ny jana-tsipika, miaraka amin'ny lefogna manjelatre ary ny lefom-pohy.24Miteligna tany amin'ny fahavignirigna sy havejavana ijy; amin'ny fagnenon'ny antsiva, tsy tafajanogna amin'ny toeragna raike ijy. Na ovena na ovena no hagnenoan'ny antsiva, die hoy ijy hoe: 'Aha! 25Manimbolo ny ady avy agny lavitre ijy- die ny kotaba maharen'ny ny mpifehy ary ny horakorake.26Avy amin'ny fahendrenao ve no mampagnembogna ny hitsikitsike, ka hamelarany ny elany ho agny atsimo?27Amin'ny bekonao ve no hiakaran'ny voromahere sy hagnamboarany ny tragnony amin'ny toerana agnambo?28 Mivelogna eo amin'ny harambato ijy ary magnambôtre ny songony eo amin'ny tendron'ny harambato, ijay ferovana mafy.29Avy egne no handrombejany ny rembiny; mahita an-dreo avy egne lavitre egne ny masony.30 Minon-dra mandy koa ny janagny; ijay toerana misy fatin'olo, die egne ijy.
Chapter 40

1Ary Yaveh nanohy nivoria tamin'i Joba; hoy ijy hoe: 2''Tokony hagnandragna hagnitsy ny Tsitoha ve ny olo manam-pagniriana hitsikera? Ijy ijay mifandahatra amin'Andriamanitra, die ôke ijy hamaly.''3Die namaly an'i Yaveh Joba ka nagnano hoe: 4'' Io, tsy misy dikany iaho; ahôna no hamaliako Anao? Apetrako amin'ny vavako ny tagnako. 5Nijaka indraike mandeha iaho, ary tsy hamaly koa; eka, indroe, fa tsy hanohy mihôtre an'ijay iaho.''6Die namaly an'i Joba tamin'ny tafio-drivotre masiake Yaveh ka nijaka hoe: 7''Ampisikigno hôtran'ny lelahy ny valahanao, fa hametram-pagnotaniana aminao Iaho, die tsy mentsy mamaly an'Ahy anao.8Moa hijaka tokôtre ve anao fa tsy marina Iaho? Hagnameloke an'Ahy ve anao mba hijakanao hoe marina anao?9 Manan-tsandry hôtran'Andriamanitra ve anao? Mahay mampikotro-peo hôtran'Ajy ve anao?10Tafio voninahitre sy fahamendrehana ny tegnanao; mihengoa haja sy fahalebiajana. 11Ampielejo amin'ny magnodidigna ny fihoaran'ny havigniranao; Jahao ireo abiaby mirehareha ary ajotsoy ijy.12hao ireo abiaby ijay mirehareha ary ajotsoy ijy; hitsaho ambany eo amin'ijay itsanganan-dreo ny olo ratsy fagnahy.13 Alevegno hiaraka eo amin'ny tany ijy abiaby; gadrao agny amin'ilay toerana mivony ny tarehin-dreo. 14Die hagneky ny momba anao koa Iaho fa ny tagnanao an-kavanagna mandy die afake mamonjy anao.15Jahao ary ny behemota, ijay nataoko hôtran'ny nanovako anao mandy; mihinagna ahitre hôtran'ny aomby ijy.16 Io, eo amin'ny valahagny ny heriny; eo amin'ireo hojatry ny trokany ny tanjagny.17Magnano ny rambony hôtran'ny sedera ijy; ny hozatry ny feny abiaby die mitambatre. 18Ny tôlagny die hôtran'ny fantsogna varahigna; ny hongony die hôtran'ny bara vy.19Ijy no lehibe amin'ny zava-boarin'Andriamanitra. Andriamanitra rerike mandy, ijay nagnano an'ajy, no afaka mandresy an'ajy. 20Fa ireo tety magnome hanina an'ajy; ireo bibi-dia egne an-karegnana die milalao eo akaiky eo. 21Midoboke ao ambanin'ny vôhirana, ao agnaty volotara ijy, ao agnaty lakan-drano ijy.22Ireo vôhiragna die mandrakotre an'ajy amin'ny alokalony; ireo hajomalahelon'ny lohasahan-driake die magnodidigna an'ajy aby koa. 23Io, laha tondraka ny morogn'ny ranobe, die tsy hangovitre ijy; mahatoky ijy, na die hisamboaravoara lahategne ambonin'ny orogny aja Jordana. 24Moa misy mahasambotre an'ajy amin'ny farango ve, na mahatsindrogna ny orogny amin'ny fandrike?
Chapter 41

1Afake misintogna Leviatana amin'ny vitagna ve anao? Na mamatotre ireo valagnoranony amin'ny tady? 2Afaka magnisy tady eo amin'ny orogny ve anao, na manindrogna ny valagnoranony amin'ny alalan'ny vintagna? 3Hitalaho mahare aminao ve ijy? hagnano jaka malefake aminao ve ijy?4agnano fifagnekegna aminao ve ijy, fa tokony ho alainao ho mpanompo mandrakijay ijy? 5Hilalao hiaraka amin'ajy hôtran'ny hiarahanao amin'ny vorogna ve anao? Hamatotre an'ajy ho an'ny mpanomponao vavy ve anao? 6Hiady varotre ny amin'ajy ve ireo vondron'ny mpagnarato? Hifampijaran-dreo mba hamidy amin'ireo mpivarotre ve ijy?7Mahavita mandevofogna ny hodiny amin'ny fitôvam-pihajana ve anao na ny lohany amin'ny lelam-pitagna? 8Apetaho eo amin'ajy indray mandeha ny tagnanao, ary ho tsaroanao ny ady ary tsy hagnano an'ijany koa anao. 9Io, ny fagnantenan'ny olo ijay magnano an'ijany die vandy; moa ve tsy hisy olo ho lavo amin'ny tany nohon'ny fahitana an'ajy fotsiny mandy?10y misy olo feno havignirana ka sahy hihantsy Leviatagna; koa, ija ary no afaka mitsangagna eo ankatrehako? 11Ija no nagnome raha an'Ahy vôlohany mba hagnefako an'Ajy? Ijay abiaby ambanin'ny lanitra manontolo die an'Ahy. 12Tsy hangigna iaho mahakasika ny hongotry ny Leviatana, na mandy koa ny raha mahakasika ny heriny, na mahakasika ny hatsaran'ny bikany.13a no afake mangala ireo sikignany ivelany? Ija no afaka miditre ny ferovany misosogna? 14Ija no afaka manokatra ireo varangaran'ny tarehiny- vôhodidigna ireo nifiny, ijay horohoro? 15Ny lamosigny die vita amin'ireo ampinga misosogna, mifanery hotrin'ny fihidin'ny tombo-kase.16Ny raike die tena mifagnakeky amin'ny raike hafa hany ka tsy misy rivotre afake miditre eo agnelagnelan-dreo. 17Mifandray areo; mifampirekitre, ijany die mba tsy hahafahan-dreo hisarake. 18Ny hajavana mitaratre avy amin'ny fierogny; ny masony die hôtran'ireo hodimason'ny vao mangiran-dratsy.19y fanilo mirehitre no mivôke ny vavany, miparitake ny pitik'afo. 20Ny vavorogny die mivôke setroke hôtran'ny raha mandevy ao agnaty vilagny eo ambony afo ijay nokopahana ho tena mahamay. 21Ny fofogn'aigny die mampirehitre ny vain'afo ho tonga afo; afo no mivôke avy ao amin'ny vavany.22 amin'ny vojogny ny hery; ary ny horohoro die mandihy eo alohany.23 Mikambagna ny fivalognan'ireo nofony; mafy origna eo amin'ajy ireo; tsy afake ahetsike ireo. 24Ny fony die mafy hôtran'ny vato- eke tokôtre, mafy hôtran'ny fikosoham-bary.25ha efa nanandratre ny tegnany Ijy, na ireo andriamanitra aja reki-tahotra; nohon'ny tahotra, die mihemotre areo.26 Laha mamely an'ajy ny sabatre raike die tsy misy dikany ijany-na ny lefogna, tsipika, na ny fitôvam-pediana marangitre hafa. 27Mieritreritre ijy fa hôtran'ny tovohindy ny vy, ary hôtran'ny hajo lo ny varahigna.28Ny tsipika die tsy afake mampilefa an'ajy; tonga akofa amin'ajy ireo vaton'ny antsamotady. 29Ataony hôtran'ny mololo ireo langilangy; mihehy amin'ny firaondraognana amin'ny fagnidian'ilay lefogna ijy. 30Ny tapany ambany die hôtran'ireo vakim-bilagny marangitre; mamela dian-kitsake eo amin'ny fotaka ijy hôtran'ny kodiaram-by fikosoham-bary.31Ataony hôtran'ny rano mandevy agnaty vilagny ny laligna; ataony hôtran'ny vilagny hosotre magnitre ny ranomasina. 32Magnajava ijay nolalovany ijy; misy mieritreritre fa fotsy volo ny laligna.33oy an-tany die tsy misy mitovy amin'ajy, ijay noforognina mba hiaigna tsy misy tahotre. 34Mahita ny raha abiaby ijay mirehareha ijy; ijy no mpanjaka ambonin'ireo janaky ny fireharehana abiaby.''
Chapter 42

1Die namaly an'i Yaveh i Joba ka nijaka hoe: 2''Haiko fa hainao hatao ny raha abiaby, fa tsy hay sakagnana ny tanjognanao. 3'Ija ijao magnavony fikasana tsy amin'ny fahalalana ijao?' Eke tokôtre, nagnambara raha ijay tsy takatro iaho, raha saro-takarina lôtre ho an'ahy, ijay tsy mba fantatro.4Hoy Anao tamin'ahy hoe: 'Mitenoa, ankehitriny, ary hijaka Iaho; hagnotany raha aminao Iaho, ary hijaka amin'Ahy anao. '5 Naharegne ny momba Anao tamin'ny siosion-dresaka iaho, fa ankehitriny die mahita Anao ny masoko.6 Koa magnamavo ny tegnako iaho; mibebaka amin'ny vovoka sy lakevogna iaho.''7Ary laha efa avy nijaka ireo jaka ireo tamin'i Joba Ijy, die hoy Yaveh tamin'i Elifaza ilay Temanita hoe: ''Mirehitre aminao sy amin'ireo akamanao roe ny havignirako, fa tsy nijaka ny marina momba an'Ahy anareo, hôtran'ny nataon'i Joba mpanompoko. 8Ankehitriny ary, mangala aomby lahy fito sy ondry lahy fito ho an'ny tegnanareo, die mandehana agny amin'i Joba mpanompoko, ka manolora fagnatitre orôna ho an'ny tegnanareo. Hivavake ho anareo i Joba mpanompoko, die hagneky ny fivavagny Iaho, mba tsy hamaliako anareo araka ny fahadalanareo. Tsy nijaka ijay marina momba an'Ahy, hôtran'ny nataon'i Joba mpanompoko anareo.'' 9Koa die nandeha ary nagnano araka ijay nandidian'i Yaveh an-dreo i Elifaza ilay Tenamita, i Bildada ilay Sohita, ary i Zofara ilay Namatita, ary Yaveh nagneky an'i Joba.10Laha nivavaka ho an'ireo akamany i Joba, die nampodin'Andriamanitra tamin'ny lôniny ny harenany. Namen'Yaveh avo roa heny mihôtra lavitra nohon'ny efa nanagnany teo aloha ijy. 11Die nenga tagny tamin'ajy ireo rahalahin'i Joba manontolo, ny anakaviny manontolo, ary ireo olom-pantany teo taloha, ary nihinagna niaraka tamin'ajy tao an-dragnony. Niaraka ory tamin'ajy areo ary nampionogna an'ajy ny amin'ireo loja abiaby ijay nalefan'Yaveh tamin'ajy. Samy nagnome volafotsy madinika sy ampety volamena an'i Joba aby koa ny olo abiaby.12Nitahy ny andro farany niegnan'ny Joba mihôtra nohon'ny tamin'ny vôlohany i Yaveh; nanagna ondry efatra arivo sy ray aligna ijy, rameva enin'arivo, andian'aomby arivo, ary boriky vavy arivo. 13Nanan'agnaka lelahy fito sy viavy telo mandy koa ijy.14 Nangehany hoe Jamima ny jokianagny viavy, Kezia koja ny agnaran'ny faharoe, ary negnaran'ny fahatelo die i Kerena-hapoka.15Tsy nisy viavy hita ho tsara mihôtra an'ireo janaka vavin'i Joba teo amin'ny tany abiaby. Nagnome lova hôn-dreo sy ny analahiny ny iabandreo. 16Tafaran'ny jay die niaigna 140 taogna i Joba, nahita an'ireo janagny sy ny jafiny ijy, hatramin'ny taranaka efatra mifandimby. 17Avy eo die maty i Joba, laha antitre sy voky andro.

Ecclesiastes

Chapter 1

1Itoy ny jakan'ny Mpitoriteny, ny taranak'i Davida sy mpanjakan'i Jerosalema. 2Ny Mpitoriteny milaja anijao. "Hôtran'ny setroky ny javogna, hôtran'ny tso-drivotre, ny fanjavognan'ny raha rehetra, mamela fagnotaniena raha be. 3Ino tombon-tsoa ajon'ny olombelogna avy amin'ny asa rehetra ijay nisasarane teo ambany masoandro?4Ny taranaka raike lasa, ary ny taranaka raike hafa avy, kanefa ny tany mitoitre mandrakijay. 5Miposaka ny masoandro, ary milentika ijany ary meke hiverigna agny amin'ny Toerana ijay hiposahany indraike. 6Mandrivotra miagnantsimo ny rivotra ary mambôtra fari-bolagna mihodigna mandela avaratre, mandeha mihodigna amin'ny lalagna fehijay ary miverigna indraike.7Ny ony abiaby mivalagna agny an-andranomasina, fa ny ranomasina tsy ba met feno. Agny amin'ijay toerana handehanan'ny ony io, no handihanan'ijany koa. 8Lasa mamijaka ny raha rehetra, ary tsisy afaka magnajava ijany. Ny maso tsy afa-po amin'ijay hitane, na ny sofigna tanteraka amin'ijay regnine.9Jay rehetra efa teo dia bola ho eo, ary ijay rehetra efa vita no bola hatao. Tsy misy raha vaovao etoy ambany masoandro. 10Sa ve misy raha jay mety hijakaina hoe: 'Java-bôvao itiky'? ijay rehetra misy dia efa nisy hatramin'ny fotôgna ela, nandritran'ny taogna jay avy ela talohan-tena. 11Nefa tsisy hita hahatadidy ny raha ijay nitranga tamin'ny fotôgna taloha, sy hôn'ijay raha nitranga vôha vetivete ary jay bola hitranga amin'ny ho avy dia tsy ho tadidy koa."12Aho ny Mpitoriteny, diefa mpanjaka tamin'Israely tagne Jerosalema.13 Nampiasa ny saiko aho ba hianatra sy handrembe am-pahendrena jay raha abiaby namboarina tambany lagnitre. Ijany fandrombejana ijany dia asa mavesatra jay nomenan'Andremanitra hôn-dreo janak'ôlombelogna ba hisasarana. 14Efa hitako aby ny asa jay namboarina tambany masoandro, ary itoy, ijy aby io dia hentogna mihavosa sy fikasàna ny hanohitra ny rivotre. Ny15 meloka dia tsy mety hahitsy! Ny tsy avy tsy ajo isaina!16Nijaka tamin'ny foko aho hoe: "Itoy, aho dia nahajo fahendrena lehibe hôtran-dreo aby ijay talohako tagny Jerosalema. Ny saiko dia nahita fahendrena sy fahalalana lehibe. " 17Ka nampiasa ny foko aho ba hahalala fahendrena die fahaverejan-tsaigna die hadalana koa. Avy ba hahatakatra fa fikasàna ny hanohitra ny rivotra mandy koa ijane. 18Fa amin'ny fitobahan'ny fahendrena die mapisy fahorem-be, ary jay mampitombo fahalalana dia mampitombo alehelo.
Chapter 2

1Hoy aho anakampo hoe: " Magnantògna jao, hitsapa anao amin'ny hafalenao aho. Ka tiavo fahafinaretana."2Fa itoy, tso-drivotra mandalo mandy ijay. Hoy aho tamin'ny fihihejana hoe: "Hadalana ijany," ary tamin'ny fahafinaretanahoe: " Ino no ilana an'ijane?"3Nijaha ny tam-ponareo aho hoe aôna no hahitako fahafinaretana amin'ny divay. Avelako tarihin'ny saiko amin'ny fahendrena aho na dia bola vôtajogna tamin'ny hadalana mandy aja aho. Te hahita ijay tsara hôn'olo ba hatao eoty ambanin'ny lagnitra aho mandritran'jay andro hiagnane.4Nagnatanteraka raha lehibe aho. Nanangagna tragno hônahe aho sady namboly taminareo tanim-bahôke. 5Nanangagna jaridaigna die sy saha hôn'ny tegnako aho; namboly an'jay karajan-kajo fihinam-boa aby io tamin'ijany aho. 6Namorogna farihin-drano ba hamatsena rano anijay ala jay nitombôn'ny hajo aho.7Nividiko jay andevo lahy sy jay andevo vave; nanagna andevo teraka tan-dapako aho. Nanagna aomby rahabe sy ondry aman'osy ho biby ompena mandy koa aho, rahabe lavita hôtranen'ijay mpanjaka jay nanapaka talohako ta-Jerosalema. 8Namorovoro volafotsy sy volamena, ny haren'ijay mpanjaka sy jay faritany hôn'ahy mandy koa. Nanagna mpihira lahy die vavy hôn'ahy manokagna aho--jay fahafinaretan'ny janak'olombelogna--ary vaditsindragno rahabe.9Dia lasa lehibe sady mpanakarena mihôtran'ny abiaby jay teo alohako ta-Jerosalema aho, die ny fahendreko taminahy tao. 10Na ino na ino nirin'ny masoko, dia tsy nitanako tamin-dreo. tsy nitanako ny foko tamin'ny fahafinaretana abiaby aho, satria ny foko dia nifaly tamin'ny asako abiaby ary fahafinaretana no kadoko tamin'ny asako abiaby.11Dia nijery an'ijay asa abiaby vitan'ny tagnako aho, sy jay fisasarana ijay natako, fa ny raha abiaby dia javogna sy fikasana hanohitra ny rivotra mandy. Tsy nisy tombo-tsoa tamin'ijany tetoy ambanin'ny masoandro. 12Laha avy teo nigny die nitoka aho ba hihevitra ny fahendrena, sady ny fahaverejan-tsaigna sy ny fahadalana. Fa ino no ajon'ny mpanjaka ho avy handimby ny mpanjaka atao, ijay tsy bola tanterake?13Dia nanomboka nihanajava ny saiko fa ny fahendrena dia ajahôna tombony bebe lavitra noho ny fahadalana, hôtran'ny fahajavana tsra mihôtran'ny mejigna. 14Ny olon-kendre dia mampiasa ny masony eo amin'ny lohany ba hijerena ny lalan-kalehany, fa ny adala dia mandeha amin'ny mejigna, na die fantatro aja fa lahatra mitovy mandy no hôn'ny olon-drehetra.15Dia hoy aho tam-poko hoe: " Ijay manjo ny adala, dia hanjo anahy mandy koa. Ka ino ijany no maha-samihafa raha ho tena hendry aho?" Dia nifihejik tam-poko hoe: " Itoy koa dia javogna fotsiny mandy." 16Fa ny olon-kendre, hôtran'ny adala, dia tsy ho tsarôny ela be. Ho avy ny adro ijay hagnadinône ny java-drehetre. Ny olon-kendre dia maty hôtran'ny mahafaty ny adala.17Ka dia nankahala ny fiagnana aho satria ijay asa abiaby jay vita teo ambany masoandro dia ratsy taminahe. Ijany dia satria ny raha abiaby dia javogna sy fikasana hanohitra ny rivotre. 18Halako naby jay fisasarako abiaby iajy nesako tambany masoandro satria hôn'izay lelahy ho avy magnaraka anahe aho.19Fa ija no mahalala na ho oln-kendre ijy na ho adala? Nefa ijy dia ho tompo eran'ny java-drehetre ambany masoandro ijay natsangag'ny fisasarako sy ny fahendreko. Javogna mandy koa ijane. 20Noho ijany dia nanomboka namoy fo tamin'ijay asa abiaby jay natako tambany masoandro aho.21Fa mety misy ny olo ijay misasatra amin'ny fahendrena, amin'ny fahalalana ary amin'ny faheja-manao, fa havelany ho an'ny lelahy ijay tsy nanao na raike tamin'ijay raha abiaby hanagnane. Ijany koa die avogna sy loja lehibe. 22Fa ino no tombon-tsoa ajon'ny olo jay miasa mafy sy miejaka magnano amin'ny fony jay asane eo ambany masoandro? 23Isan'andro dia maharary sady mampiady saigna ny sasagne, ka dia tsy mahita fegnenana ny fagnahiny amin'ny aligna. Ijany koa die javogna.24Tsisy raha tsara amin'ny olo mihôtran'ny hoe mihinagna die minogna fotsiny sady afa-po amin'ijay tsara amin'ny asane. Dia nahita aho fa avy amin'ny tagnan'Andremanita ijany marina ijane. 25Fa ija no afaka hihinagna na ija no afaka hanagna fahafinaretana isan-karajagny ankôtran'ny avy amin'Andremanitre?26Fa ijay mahafaly an'Aje, dia homen'Andremanitra fahendrena sy fahalalana ary fifalena. Kanefa, ny mpanota dia omeny ny asa famorôvorôna sy fagnatsarejana ba hahatongabn'aje magnome ijany hôn'olo jay mahafaly an'Andremanitre. Ijany koa dia agnisan'ny javogna sy fikasana hanohitra ny rivotre.
Chapter 3

1Fa ny java-drehetra diefa vôtondro amin'ny fotôgne, ary ny vanim-potôgna hômin'ny tanjogna tsirairay ambany lagnitre. 2Misy fotôgna ahaterahana ary fotôgna ahafatesana, fotôgna hambolena ary fotôgna hamokarana, 3fotôgna hamonôna ary fotôgna hagnasitragnana, fotôgnahandravana ary fotôgna hananganana.4Misy fotôgna hitomagniena ary fotôgna hihejana, fotôgna hisôgnana ary fotôgna handihijana, 5fotôgna hagnariem-bato ary fotôgna hamorem-bato, fotôgna hamihinana olon-kafa, ary fotôgna handrarana ny famihinana.6Misy fotôgna handrombejan-draha ary fotôgna tsy handrombenjana, fotôgna hifikirana amin-draha ary fotôgna hanahiragna ijany, 7fotôgna handrotana ary fotôgna hanjerana, fotôgna hanginana ary fotôgna hijakana.8Misy fotôgna hitiavana ary fotôgna hankahalana, fotôgna hiediena ary fotôgna hihananana. 9Ino no tombony ajon'ny mpiasa amin'ny asane? 10Efa hitako ny asa ijay nomen'Andremanitra ho tanterahin'ny olombelogna.11Efa nagnano ny java-drehetra hifagnaraka amin'ny fotôgny Andremanitre. Efa nampitoboka ny mandrakijay tam-ponareo mandy koa ijy. Nefa tsy afaka hahatakatra ny asa lehibe ijay natan'Andremanitra ny olombelogna, hatramin'ny fetombohany ka hatramin'ny farane.12Fantatro fa tsisy raha tsara hôn'olo hôtra ny mifaly sy magnano raha tsara fehijay laha bola velogna koa ijy-- 13sady ny olon-drehetra dia tokony hihinagna sy hinogn, ary tokony hifaly amin'ny tsara ijay avy amin'ny asany rehetre. Fagnomejana avy amin'Andremanitra jane.14Fantatro fa ijay rehetra atan'Andremanitra dia maharitra mandrakijay. Tsy afaka ampena ijany na angalana, satria Andremanitra no efa nagnano ijany ba agnantognan'ny olo an'Ajy amin'ny voninahitre. 15Ijay rehetra misy diefa nisy, ijay rehetra hisy diefa nisy. Andremanitra dia nagnano ny olombelogna handremby anijay raha-mivony.16Efa nahita ny ny faharatsena ijay etoy ambany masoandro aho, ijay tokony hisy ny rarine, ary eo amin'ny toeran'ny fahamarinana, dia ny faharatsena no tao. 17Hoy aho anakampo hoe: " Ho tsarainan'Andremanitra amin'ny fotôgnane ny olo-marinasy ny ratsy fagnahy ny amin'ny vôtra raha sy ny asa ny abiaby."18Hoy aho anakampo hoe: " Mijahà toetra ny olombelogna ndremanitra ba hagnatôrôna an-dreo fa mitovy amin'ny biby areo."19Fa amin-dreo die sahalamin'ny manjo ny janak'olombelogna sy ny manjo ny biby. Ny fahafatesan'ny raika die mitovy amin'ny fahafatesan'ny raika hafa. Mitovy ny fofogn'aign-dreo abiaby. Tsisy tombony hôn'ny olombelogna eo amin'ny biby. Fa tsy fofogn'aigna mandy ve ny raha abiaby? 20Ny raha abiaby dia samy mijotre amibn'ny toerana raike. Ny raha abiaby dia avy amin'ny vovoke, ary ny raha abiaby dia hody vovoke.21Ija no mahafantatra na miakatra ambony agne ny fagnahin'ny olombelogna ary midigna agny amin'ny tany ny fagnahin'ny biby? 22Ka dia tsapako koa fa tsy misy raha tsara hôn'ny olo hôtran'ny mifaly asane, fa ijany no asa nanendrena an'aje. Ija no afaka hitondra anajy miverigna ba hijery ijay mitranga afarane.
Chapter 4

1Nandinika indray mandeha momban'ny fahorena abiaby ijay vita tambany masoandro aho. Ary ito, ny ranomason'ny olo nampahorena, sady areo dia tsy nanagna na ija na ija ba hampionogna an-dreo ny hery, ary tsy nisy na raika aja hampionogna an-dreo.2Nohon'ijany dia miarahaba ny olo maty aho, hôn'ijay efa mate, fa tsy ny miagna, reo jay bola velogna. 3Kanefa, ijay tsy bola namboarina, ijay tsy bola nahita ny asa ratsy abiaby jay vita tambany masoandro.4Ary hitako fa ny asa kirai-draike sy ny faheja-manao kira-draika die lasa fitsiriritan'ny mpiara-monigna hafa. Ijany mandy ka dia javogna sy fikasana hanohitra ny rivotre.5Ny adala mamoritra ny tagnany ary tsy miasa, ka dia ny nofony mandy no rahanine. 6Fa lalo tsara ny tombony raika tagnana amin'ny asa mangigna hôtran'ny tagnana rolahiteo amin'ny asa jay miejaka ny manohira rivotra.7Avy eo dia nandinika momban'ny java-pôgna rahabe mandy aho, fifanjevôna javogna rahabe tamabany masoandro. 8Misy ny karajan-delahy ijay mitoboka raike. Tsy managna na ija na ija ijy, na janaka lahy, ary ny masony tsy ba afa-po amin'ny harena ajo. Nagnotany tena ijy hoe: " Hômin'ija no hesak mafy sady handàvan'ny tegnako ny fifalena?" java-pôgna mandy koa jane, toe-javatra ratsy.9Lalo tsar ny olo rolahiteo miasa hôtran'ny raike; laha miaraka areo dia afaka mahajo karama tsara hôn'ny asane. 10Fa laha lavo ny raike, dia afaka magnarigna nekamany raika hafa. Kanefa, ny alahelo dia magnaraka an'ijay raika rerike laha efa lavo ijy ka tsisy ndre raika aja magnarigna anaje. 11Laha rolahiteo no miara-mandre, dia mety hafana areo, fany nahôna no hampafana rerika ny raike?ny lelahy raika no mety rese, fa ny rolahiteo mety afaka manohitra ny fagnafihana, ary ny kofehy telo tsy ho mora tapahina.13Lalo tsara ny mahantra tanora hendry hôtran'ijay mpanjaka antitra adala ijay tsy mahafantatra koa ny fomba itenôna fampitandremana. 14Marina ijany na die lasa mpanjaka aja ny tovolahy raika avy agny an-dragnomejigna, na dia bola nateraka hahantra ao amin'ny fanjakany aja ijy.15Kanefa, aho dia nahita ny olo abiaby jay velogna sy mandeha ambanin'ny masoandro mandefa ny tegnan-dreo mandeha agny amin'ny tovolahy hafa jay nitsangagna hôtran' ny mpanjka. 16Tsisy fefarana hôn'olo abiaby jay magniry ny hankatò ny mpanjaka vôvao, fa afara kely dia rahabe amin'ijay areo no tsy hidera anajy koa. Entogna tokôtra mako ijany toe-javatra ijany ary fikasana hanohitra ny rivotre.
Chapter 5

1Tandremo ny fitondran-tegnanareo laha efa mandeha an-dragnon'Andremanitra anao. Mandihana agny ba hiteno. Ny miteno dia tsara hôtran'ny adala manolotra sorogna nefa tsy mahafantatra fa ratsy ny atan-dreo eo amin'ny fiagnana.2Aja malaky lôtra mijaka amin'ny vavanao, ary ôka ny fonao tsy halaky lôtra hampiakatra jay raharaha abiaby eo alohan'Andremanitre, Agny an-dagnitra Andremanitre, fa anao ato an-tane, ka ôka ho kely ijay lajainao. 3Laha be lôtra ny raha atanao sy mampiahiahy anao, dia hagnonofy ratsy tokôtra anao. Ny haben'ijay teny lajainao, no haben'ny hadalabna mety ho lajainao.4Laha mivoady amin'Andremanitra anao, dia aja mitaredretra amin'ny fanôvana an'ijany, fa tsy sitrak'Andremanitra jay adala. Atôvy ijay nanôvanao voady fa hatanao. 5Aleo tsy mivoady hôtran'ijay magnano voady ijay tsy tanterakao akore.6Aja avela hampanota ny nofonao ny vavanao. Aja mijaka amin'ny iraky ny mpisorogna hoe: "Fahadisôna igny voady igne." Nahôna no mampaseke an'Andremanitra amin'ny fanôvana voady tsy ijy, mangaike an'Andremanitra hanimba ny asan'ny tagnanao? 7Fa ao amin'ny nofy rahabe, hôtran'ny ao amin'ny jaka rahabe, dia misy entogna tsisy dikany. Ka matahora an'Andremanitre.8Laha hitanao ampahorena sy robaina amin'ny fitondrana marina sy mahitsy ao amin'ny faritaninao ny mahantra, dia aja gaga laha tsisy olo mahalala, satria misy olo mahery ijay miambigna an-dreo eo ambany fahefan-dreo, ary misy olo ambony aja manapaka an-dreo. 9Fagnampin'ijany, an'ny olon-drehetra ny vokatry ny tane, ary ny mpanjaka mihintsy no mangala ny vokatra amin'ijay saha.10Ny olo abiaby ijay tia volafotsy dia tsy ho afa-po amin'ny volafotsy, ary ny olo abiaby ijay tia harena dia mandrembe mihôtra lalandava. Ijany, mandy koa, dia entogna. 11Hôtran'ny hitombôn'ny fagnambinana, dia hôtran'ijany mandy koa ny olo ijay mihinagna an'ijany. Ino no tombo-tsoa an'ny tompony amin'ny harena afa-tsy ny mijery an'ijany amin'ny masone?12Mamy ny torimason' ny olo miasa, na mihinagna kely na mihinagna be ijy, fa ny haren'ny olo mpanan-karena dia tsy mamela an'aje hatory tsara.13Misy ratsy mahary ijay efa hitako tetoy ambany masoandro: dia harena navorin'ny tompony, fa mefara amin'ny fahoriena mandy. 14Laha very amin'ny vitan-dratsy ny haren'ny olo mpanan-karena, ny janagny lahy, jay nateragne, dia nivela tsy managna na ino na ino an-tagnany eo.15Tahaka ny olo teraka niborida hatan-kibondrenine, dia miborida hôtran'ijany mandy koa no helany amin'ny fiagnana itoy. Tsy afaka hitondra na ino na ino egny an-tagnany hatamin'ny asany ijy. 16Ny ratsy mampalahelo hafa dia hôtran'ny olo avy tokôtre, ka hôtran'ijany koa no tsy mentsy handihanane. Ka ino ny tombony ajon'ny olo amin'ny fesana hôn'ny rivote? 17Mandritra ny androny dia mihinagna amin'ny hejigna ijy sady laligna ny fahoreny amin'ny aretigna sy havignirana.18Ito, ijay efa hitako ho tsara sy mety dia ny mihinagna sy minogna ary mankafy ny tombony hatamian'ny asatsena abiaby , laha miasa ambanin'ny masoandro mandritran'itoy andom-piagnana ijay efa nomen'Andremanitra atsena itoy. Fa ijany no anjaran'ny olo.19Ny olo ijay nomen'Andremanitra fanagnana sy harena ary fahejana ba handray ny anjarany ka hifaly amin'ny asane--fagnomejana hatamin'Andremanitra ijane. 20Fa tsy mahatsiaro matetika jay androm-piagnany ijy, satria atan'Andremanitra sasatra amin'ijay raha jay tieny atao.
Chapter 6

21isy ratsy ijay efa hitako tambany masoandro, ary mafy hôn'ny olo ijany. 2Mety hagnome fanagnana, harena, ary voninahitra amin'ny olo raike Andremanitra ba tsy halahelo na ino na ino amin'ijay iriny hôn'ny tegnany ijy, fany Andremanitra tsy hagnome fahefana an'ajy ba hankafijany ijane. Fa koja, misy olon-kafa mampiasa jay rahane. Java-pôgna ijany, fampahorena ratsy.3Laha misy lelahy managna janaka an-jatony sy miaigna taogna lava, ba ho lava andro ny andron'jay taognany, fa laha tsy afa-po amin'ny tsara ny fony ary tsy alevigna am-boninahitra ijy, dia hoy aho hoe ny jaja maty tam-pahaterahana dia tsaratsara noho an'aje. 4Na dia teraka amin'ny java-pôgna aja ny jaja hôtran'ijany ary maty tamin'ny hejigna, ary mipetraka ho fagnafigna ny agnarane.5N a dia tsy mahita ny masoandro aja io jaja io na tsy mahafantatra na ino na ino, dia managnafitsaharana mihôtra nohon'ijany lelahy ijany ijy. 6Na dia tokony hiaigna roa arivo taogna aja ny olo nefa tsy mianatra mankafy jay javatra tsara, dia mandeha agny amin'ny toerana mitovy hôtran'ny olo hafa abiaby ijy.7Ny asan'ny olo abiaby dia amin'ny vavane, nefa tsy bola afa-po amin'ny homany. 8Eka marina, ino no tombo-tsoa anagnan'ny olon-kendry amin'ny adala? Ino no tombon-tsoa anagnan'ny mahantra na dia mahafantatra ny fomba fihetsika agnivon'olo hafa aja ijy?9Tsaratsara ny afa-po amin'ijay hitan'ny maso hôtran'ny magniry ijay rombejiny homagna mandehandeha, izay entogna sy andragna honoherana rivotra mandy koa. 10Ijay rehetra nisy diefa nomena ny agnarane, ary efa fantatra hoe hôtran'ino ny olombelogna. Noho'ijany dia lasa tsisy dikany ny mifamaly amun'ijay mpitsaramaherin'ny abiaby. 11Arakaraky ny haben'ny teny vôlaja, no hitombôn'ny java-pôgna, ka ino no tombon-tsoan'ijany amin'ny olo? 12Fa ija no mahafantatra ijay tsara hôn'ny olo eo amin'ny fiagnany mandalo, andro voaisa hiagnany hôtran'ny aloka? Ija no afaka milaja amin'ny olo ny amin'ijay ho avy egny ambany masoandro laha efa avy mandalo ijy?
Chapter 7

1Ny laja tsara dia lalo tsara hôtran'ny ranomagnitra lafo vidy, ary ny andro hahafatesana dia tsaratsara hôtran'ny andro hahaterana. 2Lalo tsara ny mandeha agny amin'ny tragno fisôgnana hôtran'ny agny amin'ny tragno firavoravôna, satria ny fisôgnana dia avy amin'ny olo abiaby amin'ny faran'ny fiagnana, ka tokony resin'ny olo velogna am-po ijane.3Ny alahelo dia lalo tsara hôtran'ny tsiky, fa afaran'ny endrika malahelo no heven'ny hafalen'ny fo. 4Ny fon'ny hendry dia an-dragno fisôgnana, fa ny fon'ny adala koja an-dragno firavoravôna.5Lalo tsara ny miteno ny jaka maharen'ny hendry hôtran'ny miteno ny hiran'jay adala. 6Fa hôtran'ny fikirepokin'ny tandoka mirehitra ambany vilagny, dia hôtran'ijany koa ny fihihejan'ijay adala. Ijany, mandy koa, dia java-pôgna.7Ny fangalana an-keriny dia ajo antoka fa mahalasa adala ny hendre, ary ny kolikoly manimba ny fo.8Lalo tsara ny fefaran'ny raharaha raika hôtran'ny fendohan'ny; ary ny olo maharitra am-pagnahy dia lalo tsara hôtran'ny mirehareha am-pagnahy. 9Aja mora maseke ny fagnahinareo, satria ny havigniranareo dia mitoetra ao am-pon'ijay adala.10Aja mijaka hoe: "Nahôna jay ando taloha no lalo tsara hôtran'ny itoy?" Fa ijany dia tsy noho ny fahendrena laha magnotany io fagnotaniena io anao.11Ny fahendrena dia tsara hôtran'jay raha manan-danja ijay nolovain-tsena hatamin'ijay rajambetsena. Ijany dia mitondra tombon-tsoa hôn'iajy mahita ny masoandro. 12Fa ny fahendrena dia mitondra ferovana, nefa tombon-tsoan'ny fahalalana dia ny hoe magnome fiagnana hôn'ijay managna an'ajy ny fahebndrena.13Saino ireo asan'Andremanitra: ija no afaka hagnitsy ny raha abiaby nimelohine?14Laha efa tsara ny andro, dia miagnà amim-pifalefalena amin'ijany hatsara ijany, fa laha efa ratsy ny ando, dia saino ny momban'itoy: Andremanitra diefa nagnabvela anaje roy hiarake. Noho ijany antony ijany, dia tsisy mahita ny raha abiaby ijay mitranga afarane.15Efa nahita raha rahabe aho nandritran'ijay andro keliko. Misy jay olo-marina ijay levogna na dia eo aja ny fahamarinan-dreo, ary misy ireo olo ratsy fagnahy ijay ela velogna na dia eo aja ny haratsien-dreo. 16Aja magnamarin-tegna, hendry eo amasonao. Nahôna no tokony hanimba ny tegnanao anao?17Aja die ratsy fagnahy na medaladala lôtre. Nahôna anao no tokony ho faty melohan'ny fotôgnanao? 18Tsara raha mitagna an'io fahendrena io anao, ary ary tsy tokony hamela ny fahamarinana handeha. Fa ny olo ijay matahotra an'Andremanitra dia hahita an'ijay adidiny abiaby.19Mahery ny fahendrena ao amin'ny olon-kendry, mihôtra ankôtran'ny mpanapaka folo ao amin'ny tanàna raike. 20Tsisy olo-marina magnano soa sy tsy bola nanota ijany mihintsy eto an-tane.21Aja miteno ny jaka abiaby ijay vôlaja, satria mety haharegne ny mpanomponao hagnojogna anao anao. 22Hôtran'ijany koa, anao dia mahafantatra fa efa nagnojogna matetika ny hafa tam-ponao manokagna anao.23Ijay rehetra jay diefa vôporofo tamin'ny fahendrena. Hoy aho hoe: "Ho hendry aho," fany nihôtra ny tokony ho ijy ijany. 24Ny fahendrena dia lavitra sy laligna. Ija no afaka hahita an'ijane? 25Nagnova ny foko ba hianatra sy handinika ary handremby ny fahendrena sy ijay fagnajavana ny jav-misy aho, ary hahatakatra fa adala ny ratsy ary ny hadalana dia fahaverejan-tdaigna.26Hitako fa lalo mangidy noho ny fahafatesana ny viavy iajy feno fandrika sy harato ny fone, ary misy rojo vy ny tagnany. Na ija na ija mankasitraka an'Andremanitra dia ho afaka aminaje, fa jay mpanota koja handane.27"Saino ijay efa hitako," haoy Mpitoriteny. "Nitahy vokam-pikarohana raika tamin'ny hafa aho ba hahita fagnajavana ny java-misy. 28Ijany no bola rombejiko, nefa tsy hitako ijane. Tsy nahita olo-marina raika teo amin'ny arivo aho, ary tsy nahita viavy raika tamin'ijay abiaby jay aho.29Itoy hiany no efa hitako: fa Andremanitra dia bnamorogna ny olombelogna ho mahitsy, nefa nenga nandremby fahasahiragnana rahabe areo."
Chapter 8

1Ija no olo-kendry? Ija no mahalala ny dikan'jay java-miseho eo amin'ny fiagnana? Ny fahendrena eo amin'ny olo dia mahatonga ny tavany ho miramiragna, ary miova ny hamafin'ny tavane.2Manoro hevitra anao aho ba hankatò ny didin'ny mpanjaka nohon'ny fenen'Andremanita hiaro an'aje. 3Aja malaigna amin'ny fagnatrehana an'aje, ary aja mifikitra amin'ny fanôvan-dratsy, satria ny mpanjaka magnano an'ijay raha irine. 4Manjaka ny tegnan'ny mpanjaka, ka ija no hijaka aminajy hoe: "Ino raha amboarinao toy?"5Na ija na ija mitandrigna ijay didin'ny mpanjaka dia misoroka havignirana. Ny fon'olon-kendry dia magneky ny lalagna iombognana sy ny fotôgnan'ny fihitsehana. 6Misy valiny marina sy fotôgna hamalena ny raha abiaby, satria lehibe ny olagnin'ny olo. 7Tsisy mahalala ijay ho avy magnarake. Ija no afaka hilaja amin'ijay ho avy?8Tsisy mpanapaka amin'ny fofognaigne ka hampegnina fofognaigna, ary tsitsy manan-kary amin'ny andron'ny fahafatesany. Tsisy afaka amin'ny tafika mandritry ny ady, ary ny faharatsena dia tsy hamonjy an'ijay andevon'ijane. 9Nahafantatra anijany abiaby ijany aho; nampihatra ny foko tamin'ny asa tsara abiaby jay natao tetoy ambany masoandro aho. Misy ny fotôgna ijay ampahoren'ny olo ny hafa amin'ny ratran'ijany olo ijane.10Ka hitako ny ratsy fagnahy nalevigna am-pahabemaso. Nalaina tamin'ny faritra masina areo ka nalevigna sady niderain'jay mponigna tao amin'ny tanàna ijay nagnanôvan-dreo ny asa ratsine. Ijany koa dia tsisy dikane. 11Laha tsy tanteraka malaky ny didim-pitsarana hanohitra ny heloka bevava ratsy, dia magnentagna an'ijay fon'olombelogna hanao ratsy ijane.12Na dia magnano ratsy in-jato aja ny mpanota ary bola velogna mandritry ny fotôgna maharitre, dia fantaro fa tsara hôn'ijay ijay magnaja an'Andremanitre, ijay magnome voninahitra ny fagnatrehany miaraka amin-dreo ijane. 13Fa tsy ho tsara hôn'ny olo ratsy fagnahy ijane; tsy haharitra ny fiagnane; Ijay androny dia hôtran'ny aloka mihelagna satria tsy magnome voninahitra an'Andremanitra ijy.14Bola misy java-pôgna hafa--raha hafa vita tetoy ambonin'ny tane. Ijay rahamitranga amin'ny olo-marina dia hôtran'ny fitrangan'jay amin'ny olo ratsy fagnahy no itrangan'ijany amin'ny olo-marina. Hoy aho hoe java-pôgna mandy hoa ijane. 15Ka mitaky ny hafalena aho, satria tsisy raha tsara ajon'ny olo egny ambany masoandro hôtran'ny mihinagna sy minogna ary mifale. Dia ny fifalena no hagnaraka an'ajy amin'ny asany amin'ny androm-piagnany abiaby ijay nomen'Andremanita an'ajy ambany masoandro.16Laha nanefy ny foko hahalala ny fahendrena aho sy hahafantara ny asa ijay atao eto ambonin'ny tany, dia vita tsy amin-torimaso amin'ny aligna na amin'ny atoandro matetika ny asa, 17dia nandinika ijay asan'Andremanitra abiaby aho, ary ny olo dia tsy afaka ny hahatakatra ny asa ijay vita teto ambanin'ny masoandro. Na ahôna na ahôna ny hamorognan'ny asan'olo ba hahita ijay valine, dia tsy hahita an'ijnay areo. Na ijany aja ny olon-kendry dia mety hino fa mahalala ijy, nefa tsy die tena mahafantatra tsara.
Chapter 9

1Fa nieritreritra ny momba an'ijany abiaby ijany tato an-tsaiko aho ba hahatakarako momban'ny olo-marina sy ny olon-kendry ary ijay asan-dreo. Eo am-pelatagnanan'Andremenitra aby ijy abiaby. Tsisy na ija na ija mahalala na ho fitiavana na ho fankahalana no ho avy amin'ny olo raike.2Mitovy ny lahatry ny tsirairaike. Mitovy ny lahatra mandigny ny olo-marina sy ny olo ratsy fagnahy, ny tsar, ny madio sy ny maloto, ary ijay magnano sorogna sy ijay tsy magnano sorogna. Ho faty ny olo-marina, dia hôtran'ijany mandy koa ny mpanota. Ho faty ijay miagna, dia hôtran'ijany mandy koa ny olo ijay matahotra magnano fiagnana.3Misy lahatra ratsy hôn'ny raha abiaby ijay atao eto ambany masoandro, lahatra raika hôn'ny tsirairaike. Feno ratsy ny fon'olombelogna, ary ao am-pon-dreo ny hadalana rah bola velogna koa areo. Ka afaran'ijany dia mandeha amin'ny maty areo.4Fa na ija na ija miharo amin'ny velogna abiaby, dia misy fagnantenana, hôtran'ny bola mahatsara ny amboa nohon'ny liogna mate. 5Fa ny olombelogna dia mahafantatra fa ho faty areo, fa ny maty tsy mahafantatra na ino na ino. Tsy managna valisoa koa areo, satria efa hadigno ny fahatserovana an-dreo.6Ny fitiavana, ny fankahalana, ary ny fagnirien-dreo dia efa nanjavogna hatamin'ny ela. Tsy hanagna toerana amin'ny raha abiaby ijay atao etoy ambany masoandro koa areo. 7Mandihana amin'ny lalagnao, hano am-pifalena ny divainao, satria Andremanitra dia magneky ny fankalajana ijay asa tsara. 8Ôka ho fotsy mandrakariva ny akanjonao ary ôka ho vôhosotra amin'ny diloilo ny lohanao.9Miaignà am-pifalena miaraka amin'ny vady tienao amin'ny andom-piagnanao abiaby mandalo fotsine, dia jay andro ijay nomen'Andremanitra anao tagny ambany masoandro mandritran'ijay andronao mandalo fotsine. Ijany no valisoanao amin'ny fiagnanao nohon'ijay asanao tagny ambany masoandro. 10Na ino na ino hitan'ny tagnanao atao, dia asao amin'ny herinao ijany satria tsisy asa na fagnajavana na fahalala na fahendrena agny amin'ny fiaignan-tsy hita, ijay handihananao.11Efa nahita raha sasasasagny mahavaregna teo ambany masoandro aho: Ny hajakajaka dia tsenolon'ny malaky. Ny ady dia tsenolon'ny matanjake. Ny mofo dia tsenolon-kendre. Ny harena dia tsy an'ny fahajavan-tsaigna. Ny fankasitrahana dia tsenolon'ny fahalalana. Fa koja, ny fotôgna sy ny vintagna dia miatrika amin'ajy abiaby. 12Fa tsisy na ija na ija mahafantatra ny fotôgna hahafatesane, hôtran'ny laokan-drano ijay tratra agnatin'ny haraton'ny fahafatesana, na hôtran'ny vorogna ijay ajon'ny fandrike. Hôtran'ijay biby, ny olom-belogna dia gadra amin'ny fotôn-dratsy ijay avy tampoka amin-dreo.13Efa nahita fahendrena tambany masoandro mandy koa aho hôtran'ny hoe lehibe taminahy ijane. 14Nisy tanàna kely raika jay vitsy olo taminaje, ary nisy mpanjaka lehibe avy nagnano fahirano ijany ary nambôtra toerana fekarana lehibe tagnilan'ijay. 15Ary nisy mahantra raike, lelahy hendry hita tao an-tanàna, ijay nagnavotra ny tanàna tamin'ny fahendrene. Nefa tafara kely tatoy, dia tsisy nahatadidy an'i lelahy mahantra io koa.16Ka fihejiko amin'ny hoe: "Lalo tsara ny fahendrena hôtran'ny tanjake, kanefa natao tsinotsino ny fahendren'ilay olo- mahantra, ary tsiregny jay jakane."17Ny jaka malefaky ny hendry dia lalo regny tsara noho ny fitreron'ijay mpanjaka eo amin'ny adala. 18Ny fahendrena dia lalo tsara nohon'ijay fitôvam-pediena amin'ny ady, kanefa ny mpanota raike dia mety handrava tsara rahabe.
Chapter 10

1Hôtran'ny fatin-dalitra ijay mahamembo ny raha magnitre, dia hôtran'ijany koa no ahafahan'ny hadalana kely mandresy ny fahendrena sy ny fankatoavana. 2Ny fonolon'kendry dia mirogna menkavanana, fa ny fon'olo adala mirogna menkavia. 3Laha mandeha midigna egny an-dalagna ny adala, dia tsy ampy saigna ijy, magnamarina amin'ny olo abiaby fa adala ijy.4Laha miakatra manohitra anao ny fihetseham-pon'ny mpanapake, aja mandalo ny asanao. Ny fitonena dia afaka mampangigna fahavignirana lehibe.5Fa misy ny ratsy ijay hitako tambany masoandro, karajagna hadisôna avy amin'ny mpanapake:6 Ijay adala dia name toeram-pitarihana, laha jay olo mahomby name toerana ambane. 7Nahita andevo nideba sôvaly aho, ary jay olo mahomby nandeha hongotra tamin'ny tany hôtran'ny andevo.8Ijay mangady lavaka abiaby dia mety ho lavo ao, ary na vena na vena misy olo mandrodagna manda dia mety hikikerin'ny bibilava ijy. 9Ijay manapaka vato dia mety vôratran'ijane, ary ny olo ijay manapaka hajo dia tandindogn'ijany ijy.10Laha domo ny lelam-by, ary ny olo tsy magnasa an'ijane, die tsy mentsy mampiasa ny hereny bebe ijy, fa ny fahendrena dia magnome tombony hômin'ny fahombiajana. 11Laha ny bibilava, dia tsisy tombony hôn'ny mpagnano ody.12Ijay tenin'ny vavan'olon-kendry dia hatsaram-pagnahy, fa ny molotry ny adala dia miteligna anajy mandy.13Hôtran'ny jaka manomboka mandeha hatam-bavan'ny adala, no hivoahan'ny hadalana, ary amin'ny farane ny vavany dia handeha fahaverejan-tsaigna ratsy. 14Ny adala mampitombo jaka, fa tsisy mahafantatra ijay ho avy. IJa no mahalala ijay hoavy afarany ao?15Ny fisasaran'ny adala dia magnavesatra an-dreo, ka tsy fantany ndre die ny lalagna mandeha an-tanan-dehibe aja.16Loja hônao, a tane, laha tovolahy no mpanjakanao, ary laha manomboka magnano firavoravôna amin'ny maraigna jay mpitarika anao! 17Fa sambatra anao, a tane, laha ny janaka lahin'ijay mendri-kaja no mpanjakanao, ary mihinagna amin'ny fotôgny jay mpitarika anao, ho tanjake, fa tsy hômin'ny hamamôna!18Fa nohon'ny hakamôna no mampilatsaka ny tafo, sady nohon'ny fahalegnan'ny tagnana no mampitete ny tragno. 19Magnomagna rahanina hômin'ny fihihejana ny olo, ny divay mitondra fankafijana fiagnana, ary ny vola mameno ny filan-draha abiaby.20Aja magnojogna ny mpanjaka, na die an-tsaignao ao aja, ary aja magnojogna ny olo manan-karena amin'ny efitra fandrenao ao. Fa ny vorognin'ny lagnitra mety hitondra jay jakanao; ijay abiaby managn'elatra dia afaka magnaparitaka ny taoraha.
Chapter 11

1Alifaso egny ambon'ny rano ny mofonao, fa ho hitanao indraika ijany afaka andro maromaro.2 Jarao amin'ny olo fito ijany, na dia olo valo aja, fa tsy fantatrareo ijay hahatongavan'ijay loja amin'ny tane. 3Laha feno ranon'oragna ny rahogna, dia magnafôgna an'ijay igne egny amin'ny tane, ary laha lavo megnan-tsimo ny hajo raika na megna-varatre, na ija na ija hi-lavôn'ijane, dieo no hipitrahan'ijane.4Mety tsy hamboly ny olo jay mijery ny rivotre, ary mety tsy hahajo ny olo jay mijery ny rahogna. 5Hôtranao jay tsy mahalala mihintsy ny lalagny rivotre, na ny nitombôn'ny tôlagny jaja tan-kibon'ny betroke, hôtran'ijany koa anao tsy afaka mahatakatra ny asan'Andremanitre, ijay namorogna ny raha abiaby.6Amboleo amin'ny maraigna ijay voa anagnanao, hatramin'ny harivà, miasà amijay tagnanao araky kay ilaina, fa tsy fantatrao ijay mety hagnambigna, na maraigna na hariva, na itoy na irôy, na samy ho tsara aby ny roy tonta. 7Mamy tokôtra ny majava, ary mahita ny masoandro. 8Laha misy olo miaigna an-taognan'ny maro, ôka ijy hisaigna ny momban'ijay andon'ny hejigna ho avy, fa ho rahabei ijay. Ny raha abiaby hitranga dia hentogna manjavogna.9Mifalia, a tanora, amin'ny fahatanoranao, ary ôka ny fonao ho faly amin'ny andron'ny fahatanoranao. Magnaraha ny fagniriena tsaran'ny fonao, sy jay abiaby eo amin'ny hitan'ny masonao. Kanefa, fantaro fa Andremanitra hitondra anao eo amin'ny fitsarana ny amin'ijay raha abiaby jay. 10Halaviro amin'ny fonao ny havignirana, ary aja miraharaha anijay fanintaignana eo amin'ny vatagnao, satria ny hatanoranao sy ny heriny dia java-pôgna.
Chapter 12

1Tsarovy mandy koa ny Mpahary anao amin'ny andron'ny fahatanoranao, melohan'ny heven'ny andro sarotre, ary melohan'ny heven'ny taogna ijay hajakanao hoe: "tsy managna fankasitrahana hôn-dreo aho," 2atôvy ijany dieny bola tsy hody hejigna ny hajavan'ny masoandro sy ny volagna ary ny kintagna, ary dieny bola tsy mipody ny raho-menty afarany erike.3Amin'ijany fotôgn'ijany die mangorohoro ny mpiambigna ny lapa, sy manjoko ny lelahy mahere, ary miegnina ny viavy jay manoto satri vitsy areo, ary ijay mitsinjoam-baravaran-kely dia tsy mahita tsara koa.4Amin'ijany fotôgna jany dia mihidy ny varangaram-be egny amin'ny lalagna, ary megnina ny feon'ny fikosoham-bare, ho taitran'ny feom-borognq ny lelahy, ary malajo ny fihiran'ny fihiran'ny tovovave.5Amin'ijany fotôgbna jany dia manombola matahotra ny hambonine sy jay loja egny an-dalagna ny lelahy, ary mamogny ny jhajo amygdala, sady miaraka mifampitarika jay valala, ary tsy mandaitra jay fagiriena vôjagnahare. Mandeha agny amin'ny tragnony mandrakijay ny lelahy ary midigna an-dalambe jay mpisaogna.6Tsarovy ny Mpahary anao melohan'ny hahatapahan'ny kofehy volafotsy, na hahavaky ny lovia volamena, na hahavakivaky ny sihô amin'ny lohataogna, na hahatapaka ny kodien-drano amin'ny lava-drano, 7dieny bola tsy mipody amin'ny tany ijay neveny ny vovoke, ary ny fagnahy mipody amin'Andremanitra jay hagnome an'ijane.8"Ny enton-javogna," hoy ny Mpitoriteny: "java-pôgna dia java-pôgna ny raha abiaby." 9Ny Mpitoriteny dia hendry ary nampianatra fahalalana ny olo ijy. Nianatra sady nandinika ary nandrindra ohabolagna rahabe ijy.10Ny Mpitoriteny dia mandrembe ny hanorata fampesana majava tsara, jaka mahitsin'ny fahamarinana. 11Ijay jakan'ny olon-kendry dia hôtran'ny tsindrogna. Hôtran'ijay tompo am-pamorena ohabolagna areo, ijay nampenarin'ny mpiarakandro ondry raike.12Anake, mahafantara raha bebe kokoa: nyfagnamboarana boky rahabe, ijay tsisy ferahany ary ny fenarana be dia mitondra faharerahana hôn'ny vatagna.13Efa regny ny fefaran'ny taoraha afaran'ny raha abiaby, dia tsy mentsy matahotra an'Andremanitra anao ary mitandrigna jay didine, fa ijany no andrekitra manontolon'ny olombelogna. 14Fa Andremanitra hitondra ny asa abiaby hômin'ny fegnenana, hatramin'ny raha mivony abiaby, na tsara na ratsy jane.

Isaiah

Chapter 1

1Ny fahitàn'i Isaia janak'i Amosa, ijay hitany nahakasika an'i Joda aminy Jerosalema, tamin'ny andon'ny Osia, Jotama, Ahaza, ary i Hezekia, mpanjakan'i Joda2Mitenoa, a lagnitre, sady manongilagna sofigna, ô tane; fefa nijaka Yaveh hoe: "Efa namahagna sady nateja ny jaja Aho, nefa nagnadary taminahe areo. 3Neomby mahalala ny tompony, ary ny boriky mahafantatra ny tavy famahanan'ny tompony anaje, Kanefa tsy fantatry ny Israely, tsy takatry ny Israely.4Loja! ô Firenena, mpanota, vahôka mavesa-keloke, taranaka mpagnano ratsy, janaka lahy mpagnano meloke! Efa nahafoy an'i Yaveh areo, efa nagnano tsinotsino an'jay Iray Masin'Israely areo, efa nampihemotra ny tegnan-dreo areo.5Nahôna anareo no bola vôfioke? nahôna anareo no magnadary fehijay? Marary ny loha manontolo, torovagna tanteraka ny fo. 6Tsisy faritra tsy vôratra hatamin'ny faladia ka mandra-pevena an-doha; fere, die mangagna die ratra vao mandy; bola tsy vôkatogna, vôdio, na nifihejina, na nitsaboina tamin'ny diloilo mandy igne.7Rava ny firenenareo; may ny tanànanareo; ny sahanareo_amin'ny fagnatrehanareo, no hamotehan'ny olo hafa firenena jay_fôgna sady rava, naringagnan'jay olo hafa ny firenena. 8Ny janaka vavin'i Ziona dia navela hôtran'ny tragno bongo an-tanimbôloboke, hôtran'ny fandrena agny amin'ny sahana kôkômbra, hôtran'ny tanàna natao fahirano.9Laha tsy namela sisa kely tamintsena i Yaveh Tompontsena, efa hôtran'i Sodoma atsena hôtranijay, efa nitovy tamin'i Gomora atsena hôtranijay.10Mandregnesa ny jakan'i Yaveh, anareo a mpanapak'i Sodoma; mitenoa ny lalàn'Andremanitre, anareo a vahôkan'i Gomora hoe: 11"Ino ijay fahamahoran'ny sorognareo hôn'Ahe?" hoy Yaveh. "Efa tofoky ny ondrilahy atao fagnatitra rôna Aho, sady ny saboran'ny biby mifahe; ka tsy sitrako ny ran'ny aombilahy, janak'ondry, na osy.12Laha avy eto alohako anareo, ija no nangataka an'ijay taminareo, ba handidia ny kianjako? 13Aja mitondra fagnati-pôgna koa; fahavetavetana ny ditin-kajo magnitra aminahe, ny volagna vôvao sy ny Sabata fengonana_tsy afaka ny handefitra amin'ijany fengonan-dratsy jany Aho.14Halako jay volagna vôvaonareo sy jay firavoravôna vôtondronareo, enta-mavesatra hôn'Ahy ijane; ketraka amin'ny feretana ijany Aho. 15Kadie laha mamelatra ny tagnanareo amin'ny vavaka anareo, dia magnavony ny masoko tsy hôminareo Aho; na dia manolotra vavaka rahabe aja anareo, dia tsy hiteno Aho; feno rà ny tagnanareo.16Sasay, diovy ny tegnanareo; alay tsy ho hitan'ny masoko ny faharatsen'ijay asanareo; elao ny faharatsena; 17menara magnano ny tsara; mandrombeja ny rarine, ahitsio ny fampahorena, magnomeja rariny hôn'ijay kamboty, arovy ny managnon-tegna.18"Avia are, handeha atsena hiara-hifandinike," hoy i Yaveh; "Na dia hôtran'ny aja ny fahotanareo, dia ho fotsy hôtran'ny oram-pagnala ijane, na dia mena hôtran'ny sily aja ijane, dia ho hôtran'ny volon'ondro fotsy.19Laha magneky sy mankatò anareo, dia hihinagna ny tsara avy amin'ny tane, 20fa laha mandà sady magnadary anare, dia hilevognin'ny mesa," fa ny vavan'i Yaveh no mijaka an'ijay.21E,Lasa janga ny tanàna natokisana! Ijy jay feno rarine_ijy jay feno fahamarinana, fa amijao koja ijy feno mpamono olo. 22Niova ho tain-drendrika ny volafotsinareo, miharo rano ny divainareo23Jay andrianareo dia pagnadary sady akaman'ny mpandroba; tia kolikoly aby ny abiaby ary mpandremby tombone. Tsy miaro ny kamboty areo, na ny fitaraignana ara-dalànan'ny managnon-tegna jay avy agnatrehan-dreo eo.24Noho ijany dia ijao no fagnambaran'i Yaveh Tompon'i abiaby, ijay maherin'Israely hoe: "Loja hôn-dreo! Hagnano valifaty hôn'jay mpifagnadrigna amianahe Aho, ary hamalifaty an'jay fahavaloko Aho; 25Hamerigna ny tagnako aminareo Aho, Handio ny tain-drendrikareo hôtranemin'ny karbônaty Aho, sady hangala ny tain-drendrika abiaby aminareo.26Hamerigna amin'ny lôniny jay mpitsaranareo hôtran'ny tamin'ny vôlohany Aho, ary jay mpanolo-tsaignanareo hôtran'ny tamin'ny vô nendoha; afaran'ijany anareo dia hangihana hoe tanànan'ny fahamarinana, tanàna mampatoky.27Ho vôvonjy amin'ny rariny i Ziona, ary jay mpibebagny amin'ny fahamarinana. 28Hiaraka ho torotoro ny mpagnadary sy mpanota, ary jay nahafoy an'i Yaveh dia ho vita neminaje.29"Fa ho afa-baraka anareo amin'ijay hajo terem-bitagna masigna ijay nirinareo efa ela, sady ho megnatra anareo amin'ijay saha jefa nifidinareo. 30Fa hôtran'ny hajo terembitagna raika jay mihintsan-dravigna anareo, sady hôtran'ny saha jay tsisy rano.31Ny lelahy mahery dia ho hôtran'ny môlamôla, sady ny asany hôtran'ny pitik'afo; hiara-may ijy rolahiteo jay, sady tsisy hamono ny afon-dreo.
Chapter 2

1Jay raha hitan'i Isaia janak'i Amosa tagnate, mahakasika an'i joda sy jerosalema. 2Amin'ny andro farany no hananganana tendrombohitrin'ny tragnon'i Yavehho tendrombohitra ambony indrindra, sady jay firenena abiabyhandeha amin'ijany.3Olo rahabe no ho avy sady hijaka hoe: "Avia, handeha atsena hôtendrombohitr'i Yaveh, hôndragnon'Andremznitr'i Jakoba, ba hahatonga ny mpampianatrin'ny sasagny amijay lalagny amitsena, sady ba handihanantsena amin'ny lalagne. " Fa ny lalàgna dia hivôka avy a Ziona, ary ny jakan'i Yaveh hatagny Jerosalema.4Hitsara agny ami'ny firenena ijy sady hagnome fanapahan-kevitra hôn'ijay olo rahabe; hamoti-potika ny mesan-dreo ho lelan'angady, ary ny lefon-dreo ho fitavasam-bôloboke; ny firenena tsy hanandratra ny mesany hanohitra firenena, na hofagna hômin'ny ady.5Ry ankohonan'i Jakoba, avia, nefa ôka atsena handeha amin'ny fahajavan'i Yaveh. 6Fefa nandao ny olonareo anareo anareo, ry ankohonan'i Jakoba, satria fenon'ny fomban'ny antsignanana areo sady mpamaky fambara hˆtran'ny Filistina, ary nifandray tagnana tamin'ny janaky ny vahinin-dreo.7Feno volafotsy miaraka amin"ny volamena ny tagnan-dreo, sady tsisy fetrany ny harene; fenosôvaly mandy koa ny tanin-dreo ary tsisy fetrany ny kalesane. 8Feno sampy mandy koa ny tanin-dreo; manompo ny asan'ny tagnany mandy, raha jay namboarin'ny ratsan-tagnany mandy areo.9Henkohoka ny vahôka, ary ny olo ho lavo; noho ijany aja mangagna an-dreo. 10Mandihana agny amin'ny toerana feno vato ary mivonia amin'ny tany amin'ny horohoron'ny Yaveh miaraka amin'ny voninahin'ny fienndrianane. 11Ny fiendrianan'ny mason'olo dia hatao ambone, ary jay olo mirehareha dia hampidignin, sady Yaveh rerika mandy no hasandratra amin'jany andro ijane.12Fa hisy ny andron'i Yaveh tampon'ny rehetra hanohitra ny olo abiaby ijay mirehareha sady membonimbony tegna, ary manohitra ny olo abiaby jaymiavognavogna ka hampidigina ijy-- 13sady manohitran'ijay sederan'ny Libanona abiaby jay ambony sady nakarina, ary manohitra jay hajo terebitagn'i Basana abiaby.14Fa hanohitran'ijay tendrombohitra ambony abiaby ijany andron'i Yaveh tompon'ny rehetra ijany, sady hanohitra an'ijay lempogna abiaby ijay efa nasandratra, 15sady manohitra jay tilikambo ambone, sy manohitra jay manda tsy mety rava, 16ary manohitra jay sambon'ny Tartsitsy abiaby, sady manohitra jay sambo tsara vôtra abiaby.17Ny fireharehan'olo dia hômbanena, ary ny avognavogn'olo dia ho lavo; Yaveh raika mandy no hasandratra amin'ijany andro jane. 18Ho levogna tantera jay sampy abiaby. 19Handeha agnaty lava-bato ny olo sady agnaty lavakin'ny tane, noho ny horohoron'i Yaveh, sy ny voninahitrin'ny fiendrieanane, laha mitsangagna hampihorohoro ny tany ijy.20Hanipy jay sampy volafotsy miaraka amin'ny volamena ny olo amin'ijany andro ijany jay namboarin-dreo ho tompoina--hanipy an'ijany agny amin'ny vôlavo sy kepote areo. 21Handeha agnaty lavaka amin'ny vato ny vahôka sady agnelagnelan'gny harambato, noho ny horohoron'i Yaveh sy voninahitrin'ny fiendrianane, Laha mitsangagna hampihorohoro ny tany ijy. 22Abilay ny fahatokisana olo, jay eo amin'ny varangaran'gny fofognaine, fa ino no hagnampeny an'ijany?
Chapter 3

1Ito, Tompo Yaveh tompon'ny rehetra diefa hangala amin'ny toerany ny mpendrekitra miaraka amin'ny vatsy amin'i Jerosalema sy Joda: dia ny famatsie-mofo abiaby, sy famatsien-drano abiaby; 2ny lelahy mahery, ny mpiady, ny mpitsara, ny mpaminagny, ny mpamaky fambara, ny loholona; 3ny kapitenin'ny dimampolo, ny mponigna manan-kaja, ny mpanolo-tsaigna, ny mpagnano asa-tagnana ja-draharaha, sady mpimasy kinga.4"Tanora fotsiny mandy no habelako ho mpitarika an-dreo, ary ny tanora no hanapaka eo amin-dreo. 5Hampahorin'ny vahôke, ny tsirairay ampahorian'ny hafa, ary ny tsirairay ampahorian'ekamane; ny jaja no hagnaraby ny jokiolo, sady hihantsy ny mendri-kaja ny nambanena.6Hangala ny rahalahiny andragnon'ny iabany mihintsy aja ny olo raika ka hijaka hoe: "Managna akanjo anao; magnikeja ho mpanapaka anay, sady ôka ijao faharavana jao hôn-tagnanao." 7Amin'ijany andro ijany dia handregnina ijy ka hijaka hoe: "Tsy ho mpagnasitragna aho; tsy mana-mofo aho na fitafiena. Tsy hagnano an'ahe ho mpanapaka ny vahôkanao anao."8Fa lavo Jerosalema, sady lavo i Joda, satria manohitra an'i Yaveh ny fijakane sy ny asane, mihantsy ny mason'ny voninahine. 9Ny fijerin'ny tavany dia vavolombelogna mempanga an-dreo; ary jakain-dreo hôtran'i Sodoma ny fahotane; tsy ba havonine ijany. Loja hônajy igne! Fa nahantanteraka loja be hôn-dreo mandy ijy.10Lajao ny olo-marina fa tsy hagnino, fa hihinagna ny vokatry ny asane areo. 11Loja hôn'ny ratsy fagnahy! Fa ho ratsy ny hanjoan'aje, fa ny valin'ny san'ny tagnany hatao aminaje. 12Ry oloko--jaja no mampahory an-dreo, sady viavy no manjaka aminaje. Ry oloko, ijay mitarika anareo dia mamily lalagna anareo sady mampisafotofoto ny lalan-kijoranareo.13Mitsangagna nohon'ny fempangana Yaveh, mitsangagna hiempanga ny olo ijy. 14Ho avy amin'ny fitsarana hanohitra ny loholon'ny olo syny mpitarigny ijy hoe: "Namotika ny tanimbôloboka anareo; an-dragnonareo jay vôroba hatamin'ny mahantra. 15Nahôna anareo no manorotoro ny oloko sady magnosihosy ny tavan'ny mahantra?" Ijany no fagnambaran'i Tompo Yaveh tompo'ny rehetra.16Ijany no jakain'i Yaveh satria mirehareha ny janaka vavi'ny Ziona, mandeha amin'ny loha mianjognanjogna, ary mangarika amin'ny masone, mijokojoko am-pandihanana laha mampikoritsandritsagna amin'ny hongone, 17noho ijany dia hampisy aretigna manako-pery an-dohan'ny janaka vavin'ny Ziona ny Tompo, ary hatan'i Yaveh sola areo18Amin'ijany andro jany dia hangala ny vakagny randro tsara tarehe, ny fehilohane, ny fihengôna sari-volagna, 19ny kavigna, 20ny saron-doha, ny rojon-kongotre, ny fehin-kibo, sy ny vata fasena ranomagnitra, miaraka amin'ny vakagna mitondra vintagna ny Tompo21Halaina ny ampete sy ny kavign'orogna; 22ny akanjo lava fabnôvana lagnonana, ny kapoty, ny voaly, ny poketra kele; 23ny fitaratra kele, ny atin'akanjo rongony fotsy madinike, ny hengon-doha, miaraka amin'ny fandrakofana24Hamembôna no ho solon'ny ranomagnitra mamerovero; ary tady no ho solon'ny fehin-kibo; loha sola no ho solon'ny voron-doha tsara bango; ary lamba fisôgnana no ho solon'ny akanjo lava; ary fitomboka mahamay no solon'ny fahatsarana. 25Ho lavona mesa ny lelahinareo, ary ho lavo an'ady ny lelahy maherinareo. 26Hitomagny ny vavahadin'ny Jerosalema ka hisôgna; sady ho raika ijy ary hiroborobo amin'ny tane.
Chapter 4

1Amin'ijany andro ijany hisy viavy fitohitagna lelahy raike ka hijaka hoe: "Ny rahaninay mandy no hohaninay, ny fitafenay mandy no hanôvanay. Fa ôka ahay hangala ny agnaranao halangalana ny hegnatray." 2Amin'ijany andro ijany ny sampin'i Yaveh dia hafinaritra sady be voninahitre, ary ny vokatrin'ny tany dia hatsiro sy ho matsatsara hôn'ny sisa velogna agny Israely.3Fa ijay nivela agny Ziona sy jay sisa nivela agny Jerosalema dia hangihana hoe masina, ny tsirairay jay vôsoratra ho velogna agny Jerosalema. 4Hitranga jany laha hanasa ny fahalotôn'ny jabnaka vavin'ny Ziona ny Tompo, ary hanasa ny rà jay mandoto hatramin'ny agnivon'i Jerosalema, amin'ny alalan'gny fagnahin'ny fitsarana sy ny fagnahin'ny afo mirehitre.5Ary eo ambonin'ny fipitrahan'i tendrombohitr'i Ziona manontolo sy eo amin'ny toeram-pengonane, Yaveh dia hamorogna rahogna sy setroka amin'ny andro, ary famirapiratan'ny afo mirehitra amin'ny aligna; sady ho sorogna ambonin'ny voninahitra laha ijane. 6Ho alokaloka felofana amin'ny hafanana ijany amin'ny andro, sady ho felofana sy ho ferovana amin'ny tafiotra sy erike.
Chapter 5

1Avilao aho hihira hôn'ny malalako tsara, hiran'ny malalako momban'ny tanim-bôlobokane. Nanagna tanim-bôloboka tamin-karagna tena lonaka ny malalako tsara. 2Nasainy ijane, nafindrany ny vato, sady namboly an'ijany tamin'ny karajam-bôloboka tena tsara ijy. Nanangagna tilikambo tagnivon'ijany ijy, sady koa nanangagna famiejam-bôloboke, fany vôlobo-dratsy mandy no namoa.3Ary ankehitriny, ny mponin'i Jerosalema sy n'olo Joda, dia mitsara anahy sy ny tanim-bôloboko. 4Ino koa no tokony nataotamin'ny tanim-bôloboko,ijaybola tsy vitakotaminaje? Amivena no naniry jany ba hamokatra ny vôloboka aho, nahôna no namokatra vôlobo-dratsy ijane?5Ary jao no ho lajaiko anareo jay hatako amin'ny tanim-bôloboko: Halako ny fefe, havadiko ho ahitra ijane, dia ho ravaiko ny mandane, ary ho vôdidia ijane. 6Ho simbasimbaiko ijane, ary hovôrakotra na vôkarakara. Fa koja, ny hery sy ny tsilo no haniry. Ho bekoiko mandy koa ny rahogna tsy hagnerika aminaje eo.7Fa ny tanimbôlobok'i Yaveh Tompon'ny rehetra no taranak'Israely, ary ny lelahin'i Joda no voly tiene; nandigny ny rariny ijy, nefa, famonôna no nisy; ny fahmarinana,, nefa, fihiekin'ny fitaregnana no solone.8Loja hôn'ijay mampifandray ny isan-tragno, ijaymampifandray ny isan-saha, ambarapaha-tsisy efitra nivela, ka anareo rery no sisa hitoboka amin'ny tane! 9Hoy Yaveh Tompon'ny rehetra taminahe, tragno rahabe no ho fôgna, na dia lehibe sady tsara aja, tsisy mpipetrake. 10Fa bata raika fotsiny no ho vokatry ny vôloboka folo zemeba, ary efaha raika mandy no ho vokatry ny vôndraha raika homera.11Loja hôn'ijay mifoha vô mangiran-dratsy ba hahajo java-pisotro mahere, die ijay megnina amin'ny aligna mandra-pahamamon'ny divay an-dreo. 12Nanasa tamin'ny karpa, lokanga, ny apongatapake, ny antsodigna,ary ny divay areo, kanefa tsy nihevita ny asan'ny Yaveh areo, na koa ba nihevitra ny raha vitan'ny tagnane.13Kefa nivadika ho babo nohon'ny tsy fahampen'ny fahajavan-tsaigna ny oloko; ho tehinagna ny mpitarika mendri-kajan-dreo, ary tsy hisy hinomina ny vahôkane. 14Ka efa natan'ny fianan-tsy hita ho lehibe ny omagny ary nosokafany misagnasagna ny vavane; ny sangane, ny vahôka, ny mpitarine, ary ny mpampiseho sy jay faly tamin-dreo.15Ny olo hiterena henkohoke, ary ny olombelogna dia hahetre; ny mason'ny ambony dia hampidignina. 16Yaveh Tompon'ny rehetra dia hisandratra amin'ny fitsarane, ary n Andremanitra jay Masina hagnatoro ny tegnany ho masina amin'ny alalan'ny fahamarinane. 17Ary ny ondry dia hifahanana hôtran'ny egny amin'ny tanimbilogne mandy, ary tamin'ny korontagna, ny janak'ondry dia hihinagna hôtran'ny vahiny.18Loja hôn'ijay mitari-keloka amin'ny kofehy tsisy ilana an'aje ary jay mitarik'ota hôtran'ny hoe amin'ny tadin-sarety. 19Loja hôn'ijay mijaka hoe: "Ôka handondogna Andremanitra, ôka hiasa malaki Ijy, ba ahafahantsena mahita ny fisehon'ijane; ary ôka ho avy fikasan'ny Masin'Israely, ba hahafantarantsena an-dreo."20Loja hôn'ijay mijaka ny ratsy ho tsara, ary tsara ho ratsy; iajy magnambara ny hejigna hôtran'ny majava, ary majava hôtran'ny hejigna; jay milaja ny mangidy ho mamy, ary ny mamy ho mangidy! 21Loja hôn'ijay hendry amasony mandy, ary mahigna amin'ny fahajavan-tsaigny mandy!22Loja hôn'ijay tompon-daka amin'ny finomana divay, ary tompony amin'ny fangarôna finomana mahere; 23Ijay magnome tsigny ny ratsy fagnahy hômin'ny fagnefana, ary mangala amin'ny toerany ny tsy manan-tsigny amin'ny mariny!24Ka hôtran'ny lelan'afo mandevogna mololo, sady hôtran'ny ahitra maigna levognin'ny afo, dia ho lo ny vahahane, ary ho vôtsoke hôtran'ny vovoky ny vognone. Hitranga ijany satria nanda ny lalan'gny Yaveh Tompon'ny rehetra areo, ary satria efa nagnano tsinotsino ny ny jakan'Iray Masin'Israely.25Ka noho jany ny havigniran'i Yaveh dia nirehitra amin'ny olone. Efa namehy ny tagnany manohitra an-dreo sady efa nanajy an-dreo ijy. Hangorohoro ny tendrombohitra, ary ny fatiny dia hôtran'ny fako an-dalagna. Amin'ijany raha abiaby jany, dia tsy bola afaka ny havignirane; fa koja bola hifehy mandy ny tagnane.26Ary hanangagna faneva famantarana hôn'ny firenena lavitra ijy sady hifioka hohôn'ijay agny am-paran'ny tane. Ito, ho avy malaky sady avy hatragnereo.27isy vijaka na tafantohigna amin-dreo; sady tsisy rendremana na matory. Na mivaha ny fehin-kibon-dreo, na tapaka ny fehin-kapane. 28Marangitra ny jana-tsipìkany ary mihenjagna ny tsipìkany abiaby; ny kitron-sôvalin-dreo dia hôtran'ny afovato, ary ny kodiaran-kalesan'ny hôtran'ny tafio-drivotre.29Ny fitrerogny dia hôtran'ny liogna; sady hierogna hôtran'ny jana-diogna areo. Dia hierogna sy hanambotra ny rembin-dreo hitaritarikan'ijane, ary tsy hisy hamonjy. 30Amin'ijany andro ijany dia hierogna hanohitra ny remby hôtran'ny fierogn'gny ranomasin-dreo. Laha misy olo mijery tane, dia hahita hejigna sy fijalena ijy; na dia ho mejigna ny rahogna aja ny hajavana.
Chapter 6

1Tamin'ny taogna nahafatesan'i Ozia mpanjaka, dia nahita ny Tompo nitoboka teo amin'ny seja fiandriagnana aho; sady ambo no ambony Ijy, sady nameno ny tempoly ny moron'akanjo lavane. 2Teo amboniny dia nisy ny serafima; samy nanagna elatra enina aby; ny rolahiteo nandrakotra ny tavane, ny rolahiteo hafa nandrakotra ny hongone, ary ny rolahiteo nagnimbognane.3Nifampiantso areo ary nagnano hoe: "Masigna, masigna, masigna, i Yaveh Tompon'ny rehetre! Ijao tontolo ijao dia feno ny voninahine."4Nihojongonjogna tamin'ifeon'ijay mitaraigna ny fototry tokonam-baravaragna, sady feno setroka ny tragno. 5Ary hoy aho hoe: "Loja! Very aho satria lelahy maloto molotra aho, ary niaigna tamin'ny vahôka maloto molotra, satria ny masoko dia efa nahita ny Mpanjaka, Yaveh, Yaveh tompon'ny rehetra!"6Avy eo dia nisy raika tamin'ny serafima nagnembogna teo aminahe; nisy vain'afo tegny an-tagnane, jay nalainy niaraka tamin'ny tandra tegny amin'ny alitara. 7Nikasika ny molotro tamin'ijany ijy sady nijaka hoe: "Toy, nikasika ny molotrao toy; afaka ny helokao, sady vôvela ny fahotanao."8Nandre ny feon'ny Tompo aho nanao hoe: " Ija no tokony hirahiko; ija no handeha hôtsena?" Dia hoy aho hoe: "Itoy aho; iraho aho." 9Hoy Ijy hoe: "Mandihana die lajao ny vahôka hoe: 'Tenoy, fa aja takarina; jereo, fa aja mamantatre.'10Hamafiso ny fon'io vahôka io, sady atôvy maregnina ny sofin-dreo, ary atôvy jamba ny mason-dreo. Laha ts'ijany dia mety hahita amin'ny masony ijy, haharegny ny sofigne, ary hahalala amin'ny fon-dreo, sady avy eo hiova ka hahafake." Ary hoy aho, "Tompo o, mandra-pahovena anefa?" dia hoy ijy,11Dia hoy aho hoe: "Ry Tompo, mandra-pahovena?" namaly ijy hoe: "Mandra-pahafôgnan'ny tanàna, ka tsy hisy mponigna, ary ny tragno tsy hisy olo, sady ny tany ho tampoka tokôtre,12ary Yaveh hampandeha lavitra ny olo, ka ho be ny tampoka ao amin'ny tane.13Na ny ampaha-folon'ny olo nivela amin'ijany aja, dia ho potehina indraike; hôtran'ny terebinta sy oka nitapahina ka misy tagany nivela, ny voa masina dia hatamin'ny fotone."
Chapter 7

1Tamin'ny andron'i Ahaza janaka lahi'ny Jotama janaka lahin'i Ozia, mpanjakan'i Joda, dia niakatra nandeha a Jerosalema i Rezina mpanjakan'i Syria, die Pelza janaka lahin'i Remalia, mpanjakan'Israely ba hanangagna ady amin'ijane, fa tsy nandresy anijane areo. 2Nitaterina tagny amin'ny fenakaven'i Davida fa niaraka tamin'ny Efraima ny Syriana. Nangorohoro ny fone, die ny fon'ny vahôkane, hôtran'ny hajo agny agn'ala ahojongojon'gny rivotre.3Dia hoy Yaveh tamin'Isaia hoe: "Mivoaha miaraka amin'i Seara-jasoba janakao lahy ba hitsena an'i Ahaza tami'ny faran'ny lakan-dranon'ny kamory ambony, egny amin'ny lalagna mandeha amin'ny Sahan'ny Mpanasa lamba. 4Lajao anajy hoe: 'Mitandrema, aja taitaitre, aja matahotra na ampatahorin'ny tapa-porohagna rolahiteomahamay, amin'ny havigniran'i Rezina sy Syria, ary Pelza janaka lahin'i Remalia.5Syria, Efraima, ary ny janaka lahin'i Remalia dia nagnano teti-dratsy honoherana anao; hoy areo hoe: 6"Andeha atsena hanafika an'i Joda sy hampihorohoro anaje, ary ôka atsena hamaky an'ajy ary hametraka ny mpanjakatsena, jay janaka lahin'i Tabeala ao."7Hoy ny Tompo Yaveh hoe: "Tsy ho tanteraka ijany; tsy hitranga ijany, 8satria Damaskosy no lohan'i Syria, ary Rezina no lohan'i Damaskosy. Ao agnatin'ny dimy amby enim-polo taogna, dia ho torotoro ny Efraima ary tsy ho vahôka koa. 9Samaria no lohan'i Efraima, ary ny janaka lahin'i Remalia nolohan'i Samaria. Laha tsy mipetraka mahare amin'ny finôna anareo, dia ajo antoka fa tsy ho vôaro."10Nivoria tamin'i Ahaza indraika ny Tompo hoe: 11"Mangataha famantarana amin'i Yaveh Andremanitrao; mangataha an'ijany amin'ny laligna na amin'ny haambon'ny ambone." 12Fa hoy Ahaza hoe: "Tsy hangataka aho, na hitsapa an'i Yaveh."13Ka namaly Isaia hoe: "Tenoy, ry fenakaven'i Davida. Tsy ampy anareo vahôka ve ny mitsapa ny faharetan'ny vahôka? Tsy mentsy mitsapa ny faharetan'ny Andremanitro koa ve anareo? 14Noho ijany dia ny Tompo mihintsy no hagnome famantarana anareo: ito, hitoe-jaja ny tovovave, hiteraka jajalahy, ary hiantso ny agnarany hoe Imanoela. 15Hihinagna rononomandry sy tintely ijy laha mahay mandà ny ratsy sady mifidy ny tsara.16Fa melohan'ny hahejan'ny jaja mandà ny ratsy sady mifidy ny tsara, dia ho lao ny tanin'ny mpanjaka rolahiteo ijay natahoranao. 17Yaveh dia hitondra andro tsy bola nisy hatramin'ny nelan'i Efraima tamin'i Joda aminao, sy ny vahôkanao, ary amin'ny fenakaven'ny iabanao handeny eo aminao ny mpanjakan'i Asyria."18Amin'ijany andro jany Yaveh dia hiffioka lalitre hatalavitra egny amin'ny onin'ny Egypta, ary tintely hatagny amin'ny tanan'i Asyria. 19Ho avy aby ijy abiaby sady hitoboka ambany egny amin'ny lohasaha lao, egny agnelagnelan'gny harambato, egny amin'ny fefy tsilo abiaby, ary egny amin'ny tany fihinanam-bilogna abiaby20Amin'ijany fotôgna ijany ny Tiompo dia hanaratra amin'ny hareja nohofaina tamoron'gny onin'i Eofrata--Ny mpanjalan'i Asyriz-- ny loha sy ny volon-kongotre; hangala ny somotra ijany mandy koa. 21Amin'ijany andro jany, dia hiompy aombivave lele sy ondry rolahiteo ny olo, 22ary nohon'ny haben'ny ronono jay homen-dreo, dia hihinagna rononomandry ijy, satri ny olo abiaby nivela ami'ny tany dia hihinagna rononomandry die tintele.23Amin'ijany fotôgna jany, tamin'ijay nisy divay an-drivony tombagnana se_kele volafotsy arivo, dia tsy hisy na ino na ino afa tsy tsilo. 24Handeha hoagny ba hanambotra amin'ny tsipìka ny olo, satria ny tany abiaby dia ho tsilo fehijay. 25Hegnina lavitry ny tany vohitra abiaby jay navadika tamin'ny angady areo, nohon'ny tahotra ny tsilo; fa ho toeram-pihinanam-biby fiompe sy ondry ijane.
Chapter 8

1Nijaka taminahy Yaveh hoe "Mangalà vato fisaka angejabe die soraty aminaje eo hoe: "Mahera-Salala-Hasi-Baja." 2Hagnantso vavolombelognamatoky hagnamarigna hônahe, dia Oria mpisorogna, sy Zakaria janaka lahin'ni Jeberekia."3Nandeha amin'ny mpaminagny vavy aho, sady nanagn'anaka ka nitera jajalahy ijy. Ary Yaveh nijaka taminahy hoe: "Atôvy: 'Mahera-Salala-hasi-baja.' negnarany. 4Fa melohan'ny hahafantaran'ny jaja mangaika hoe: 'ibako,' amin'ny 'endriko,' ny mpanjakan'ny Asyria die hangala ny harenan'i Damaskosy sy ny babon'ny Samaria."5Nivoria taminahy indraika i Yaveh hoe: 6"Satria toy vahôkako toy dia nandà ny rano misononok'i Siloa, ary faly eo amin-dRejigna sy amin'ny janaka lahin'i Ramlia, 7noho jany ny Tompo dia hitondra ny ranon'ny reniranohômin-dreo, mahery sady gagana, ny mpanjakan'ny Asaria sy ny voninahiny abiaby. Ho avy amin'ny fantsogny abiaby jany ka hahatondraka ny morogne.8Ny Renirano dia hifaoka manomboka ami'i Joda, hanondraka sy hamakivaky, mandra-pahavin'ijany eo amin'ny tendanao.Ny elany mivelatra dia hameno ny sakan'ny tane, ry Imanoela."9Ho torotoro anareo ry vahôka. Mitenoa, ry firenena lavitra abiaby: Vognony amin'ny ady ny tegnanareo sady atorotoroy; vognony ny tegnanareo sady torotoroy. 10Manôva fikasagna, fa tsy ho tanteraka ijane; mamoaha didy, tsy ho tanterak ijane, fa momba any Andremanittre11Yaveh nijaka taminahe, niaraka tamin'ny tagnany mahery ijy taminahe, ary mampitandrigna anahy tsy handeha amin'ny lalagn'itoy vahôka toy. 12Aja lajaina ho tetika ny raha jay lajain'itoy vahôka toy he tetika, tsy hatahotra jay hatahorany anao, sady aja reki-tahotre. 13Fa Yaveh Tompon'ny rehetra no omeo voninahitra ho masina; Ijy no tokony hatahoranao, ary ijy no tokony hampangorohoro anao.14Ho lasa fitoerana masina ijy; fa ho vato familejana Ijy, sady ho vatolampy hagnatafantohigna_hôn'ny ankohonan'Israely, ary hôn'ny vahôkan'i Jerosalema dia ho fandrika sy tonta Ijy. 15Rahabe no hotafantohigna amin'ijany ka ho lavo sady ho rava, ho vôfandrika ka higadraina.16Fihejo ny fijorôko vavolombelogna, sady asio tombon-kase ny firiketana ofisialy, sady omeo ny mpianatro jane. 17Handigny an'ii Yaveh aho, jay mamony ny tavane amin'ny ankohonan'i Jakoba; handigny anajy aho. 18Ito, aho sy ny janako lahy jay nomen'i Yaveh anahy ho famantarana sy ho raha mahagaga agny Israely tamin'ny Yaveh Tompon'ny rehetra, ijay mipetraka amin'ny tendrombohitr'i Ziona.19Hijaka aminao areo hoe: "Agnotanio ny mpahita sy ny mpisikidy, " jay tsindren-draha megnemognemogna sy mivitsikitsika fangihana. Fa tsy tokony hagnotany ny Andremanitra ve ny olo? Tokony hagnotany ny maty hôn'ny velogna ve areo? 20Araka ny lalàna sy ny fijorôna vavolombelogna! Laha tsy managna ny fahajavan'ny maraigna.21Handalo amin'ny tany amin'ny fahorena sy ny mosaregna be areo. Laha tehinagna areo, dia ho vignitra ary hagnojogna ny mpanjakany sy ny Andremanine, laha manandratra ny tavan-dreo ambone. 22Hijery ny tany areo ka hahita ny fahorena, ny hejigna, die ny fanjombognana mampijale. iroahina mandeha amin'ny tanin'ny hejigna areo.
Chapter 9

1Hiala ny hejim-pito amin'jay tagnatin'ny fangirifirena. Taloha dia nangala baraka ny tanin'i Zebolona sy tanin'i Naftaly ijy, nefa amin'ny fotôgna aty afara dia hanao an'ijany ho bevoninahitra ijy, sy lalagna mandeha amin'ny ranomasina, agny an-dafin'i Jordana, ny firenen'i Galelea. 2Efa nahita fagnajavana be ny vahôka jay mandeha amin'ny mejigna; hôn'ny jay efa niaigna tamin'ny tanin'ny aloky ny fahafatesana, efa namirapiratra tamin-dreo ny fahajavan.3Efa nagnamaro ny firenena Anao; efa nampitombo ny hafalen-dreo Anao. Mifaly eo agnatrehanao Areo hôtran'ny fifalena amin'ny fotôgnan'ny fijinjana, hôtran'ny olo faly abiaby mijara ny vôroban-dreo4Nitorotoroina hôtry ny tamin'ny andron'ny Midiana ny zoga mavesane, ny andry tan-sorogne, ny tsora-kajon'ny mpampijaly anaje. 5Fa ny kiraro abiaby jay mandidia amin'ny fikorontagnana sy ny akanjo mihosi-drà, dia hirôna, atao fandrehitra hôn'ny afo6Fa jaja die teraka hôn-tsena, janaka lahy die nomenen-tsena, ary ny fanapahana hoeo amin'ny sorogne; sady negnarany dia hangihana hoe Mpanolo-tsaigna Mahagaga, Andremanitra Mahere, Ray Mandrakijay, Andrendahin'ny fedagnana. 7Amin'ny fitombôn'ny Governemantany sy amin'ny fedanany dia tsy hisy farane, laha manapaka amin'ny seja fendriagnan'i Davida Ijy, sy amin'ny fanjakane, ba hagnabilany sy hanohagnany jany amin'ny rariny sy fahamarinana tami'ny nanomboka tamin'io fotôgna io sady ho mandrakijay. Ny zotom-poin'i Yaveh Tompon'ny rehetra no hanao anijane.8Nandeja jaka hôn'i Jakoba ny Tompo, sady avy tamin'Israely ijane. 9Ny vahôka abiaby hahafantatre, na dia i Efraima sy ny mponin'i Samaria, jay mijaka ami'ny fevognana sy firreharehan'ny fony hoe: 10"Efa lavo ny biriky, nefa hatsangan-tsena indraika amin'ny vato fandraka jany; efa vôtapaka ny amontagna, fa hisoloin-tsena sedera amin'ny toerane."11Noho jany hitsangagna hanohitra anaje i Yaveh dia i Rezina, ny mpifagnandrigna aminaje, ary hampirisika ny fahavalone, 12dia ny Syriana tantsignanana, ary ny Filistina tandrefagna. Handevogna ny Israelu amin'ny vavany misagnasagna areo. Amin'ijany, tsy nihegna ny havignirane; fa koja, bola mijirijiry ny tagnane.13Nefa ny olo tsy hipody amin'ijay namely an-dreo, ny handrembe an'i Yaveh Tompon'ny rehetrra. 14Ka dia hitapahin'i Yaveh ny loha sy ny rambon'Israely, ny sampan-drafia sy ny volotara, agnatin'indraika andro. 15Ny mpitarika sy ny olo mendri-kaja no lohane; ary ny mpaminagny jay mampianatra vandy no rambogne.16Ijay mitarika ny vahôka no mitarika an-dreo amin'ny lalan-diso, ary jay mitarika an-dreo no vôteligna. 17Noho jany tsy ho faly amin'ny taoralahin-dreo ny Tompo na hanagna fangoram-po amin'ny kambotin-dreo sy ny mpitondrategna Ijy, satria ny olo abiaby mpetsaravelatsihy sy mpanao ratsy, ary ny vava abiaby mijaka hadalana. Amin'ijany raha abiaby jane, dia tsy mihegna ny havignirane; fa koja bola mijirijiry ny tagnane.18Fa ny faharatsena magnoro hôtran'ny afo; mandevogna ny hery sy ny tsilo jane; magnoro ny krihitr'ala aja jane, jay miakatra amin'ny savorovoron-setroke. 19Amin'ny fahavigniran'i Yaveh Tompon'ny rehetra no hagnoro ny tane, ary ny olo dia hôtran'ny fandrehitra hôn'ny afo. Tsisy olo mihantra ny rahalahine.20Handrapaka ny rahanina amin'ny tagnana ankavanana areo nefa tehinagna mandy; hihinagna rahanina amin'ny tagnana ankavia areo nefa tsy ho afa-po. Na die ny tsirairay aja dia hihnagna ny nofon'ny sandriny mandy. 21Manase handevogna an'i Efraima, ary Efraima handevogna an'i Manase; ka hiaraka hanafika an'i Joda areo. Amin"ijany raha abiaby jane, tsy hihegna ny havignirane; fa koja, bola mijirijiry ny tagnane.
Chapter 10

1Loja hôn'ijay manao lalàgna tsy arakin'ny hitsiny ary manoratra didy tsy ara-drariny. 2Tsy magnome rariny ny mila fagnampena an-dreo, mandroba ny ololo mahantra amin'ny zone areo, mandroba ny mpitondrategna, sady manao ny kamboty ho fandrombejan-dreo.3Ino no hatanao amin'ny andro fegnenana laha hoavy avy lavitra ny faharavana? Amin'ija anao no handrembe fagnampena, ary aja no hagnabilanao ny harenao? 4Tsy hisy na ino na ino hivela, sady hitampify eo amin'ny gadra anao na ho lavo eo amin'ny mate. Amin'ny raha abiaby, dia tsy hihegna ny havignirane; fa koja, ny tagnany dia bola mijirijiry fehijay.5Loja hôn'ny Asyriana, ny tsorakajon'ny fahavignirako, tsorakajo jay hitondrako ny fahavignirako! 6Alefako hanohitra firenena miavognavogna sy hanohitra ny vahôka jay mijaka ny havignirako manafotranaje. Mandidy anaje hangala ny babo, hangala ny ajo, ary handidia ny hôtran'ny fotaka egny amin'ny lalagna Aho.7Kanefa ts ijany no kasaine, na hoe mihevitra hôtran'ijany ijy. Ao am-pony ijany hoe handrava sy handringagna firenena rahabe ijane. 8Fa hoy ijy hoe: "Moa tsy mpanjaka aby ve nendren-dahiko abiaby?" 9Tsy hôtran'i Arpada ve i Hamata? Tsy hôtran'i Damaskosy ve i Samaria?10Hôtran'ny nandresen'ny tagnako nyfanjakana mpanompo sampe, jay sarin-draha sokitran-dreo dia angeja kokoa nohonian'i Jerosalema sy Samaria, 11hôtran'ijay natako tagny Samaria sy ny sampy java-pôgna, sa tsy hanao hôtran'ijany amin'iJerosalema sy ny sampiny mandy koa ve aho".12Laha nahavita ny asany teo amin'ny tendrombohita Ziona st ta-Jerosalema ny Tompo, dia hagnasazy ny jakan'ny fo miavognavon'gny manjakan'i Asyria sy ny fijere feno avognavogn'Aho. 13fa ijy nijaka hoe: "Amin"ny alalan'gny tanjako sy ny fahendreko no hesako." Managna fahajavan-tsaigna aho, ary efa nangala ny fefin'ny vahôke. Efa nangalariko ny haren-dreo, ary hôtran'ny aombilahy no nampidignako ny mponigna.14Hôtran'ny fanamborana avy amin'ny ankany, no nangalan'ny tagnako ny haren'ny firenena, ary hôtran'ny famorevoren'ny raika ny atody nilôjana, no hamorevoreko ny tany abiaby. Tsisy nagnakopakopaka ny elan-dreo na nanokatra ny vavane na nihekeke."15Sa ve ny andrognana hirehareha momba ny tegnany amin'ny raika jay mampiasa anijane? Sa ve ny tsofa hidera bebe kokoa ny tegnany noho ny raika jay manapaka ami'ny alalan'ijane? Ijany dia hôtran'ny hoe: tsorakajo raika jay afaka miainga amin'ijay magnenga anijany na hôtran'ny hoe afaka magnenga olo ny tsorakajo. 16Noho ijany dia hanndeha fahejana eo amin'ny mpiadiny sangan'i Yaveh Tompo tompon'ny rehetre; ary eo ambanin'ny voninahiny die hisy firehetana hôtran'ny afo mirehitre.17Ho lasa afo ny fahajavan'Israely, ary ny Iray Masiny ho lelan'afo; hagnoro sy handevogna ny tsilony ao agnatin'indraikandro fotsiny ijany. 18Yaveh dia hanimba ny voninahitry ny alany sy ny taniny mamokatre, dia ny fagnahin'ijane sy ny vatan'agnijane; ho hôtran'ny aign'olo marary miha-osa iajane. 19Ho vitsy ny sisa mivela amin'ny hajon'ny alane, ka na ny jaja aja faka hagnisa anijane.20Amin'ijany andro jany, ny Israely sia,ny fenakaven'i Jakoba jay nilefa, dia tsy hentehitra amin'nyraika jay nandresy an-dreo koa, fa hiankigna amin'i Yaveh tokôtre, dia ny Iray Masin'Israely. 21Ijay nivela amin'ni Jakoba dia hiverigna amin'Andremanitra mahere.22Fa na ny olo aja, ry Israelyy, dia hôtran'ny tora-pasika egny amoron-dranomasina, iajy sisa nivela amin-dreo hiany no hiverigna. Notindrena ny faharavana, araka ny fangatahana magnavotra ny fahamarinana. 23Fa i Yaveh Tompo tompon'ny rehetra, dieo an-dalam-pitondrana ny faharavana jay nitindrena magneragna ny tane.24Noho ijany i Yaveh Tompo tompon'i rehetra nijaka hoe: "Ry vahôkako jay mipetraka ao Ziona, aja matahotra ny Asyriana." Hamely anao amin'ny tsorakajo ijy, ary hanangagna ny tehiny aminao, noho ijay natan'ny Egyptiana. 25Aja matahotra anaje, fa afaka kelikely dia hifaragna ny havignirako aminao, ary hitarika ny faharavany ny havignirako."26Ary i Yaveh tompon'ny rehetra dia handeha ny karavasiny amin-dreo, hôtrany tamin'ny nandreseny an'i Midiana tam-batolapy Oreba. Handeha ny ratsan-kajo eo amin'ny ranomasina ijy ary hagnenga anijany hôtran'ny tatany t-Egypta. 27Amin'ijany andro jany, ny vesany dia handeha hateo amin'nysorokao sady ny zogany hatamin'ny vojognao. Ary ny zogz die ho rava nohon'ny hangijana.28Avy ta-Aiata ny fahavalo sady nandalo an'i Migrona; tagne Mikmasy no nagnatsarejane ny vatsine. 29Nitsaka tamin'ny fandalovan-dreo ary nipetraka ta-Geba. Nangorohoro i Rama ary nileva i Gibean'i Saoly30Mandrignena mare, ry janaka vavin'i Galima! Ôka ho liegna, ry Laisy! E ry Anatota mahantra. 31Milefa i Madmena, ary ny mponingn'iGibima die mihajakajaka hômin'ny ferovana. 32Amin'io andro io mihintsy no hibela a-Noba ijy ka hamokogna ny fetrigny agny an-tendrombohita ny janaka vavin'i Ziona, jay toerana ambone a-Jerosalema.33Ito, ny Yaveh Tompo tompon'ny rehetra handavo ny sampagna amin'ny halavôna ratsy; ny hajo lava indrindra dia hitapahina, ary jay ambo dia hafohejina. 34Hamaky ny matevigna indrindraka amin'ny ala amin'ny andrognana ijy, sady i Libanona dia ho lavo amin'ny fiandriagnane.
Chapter 11

1Hisy sampagny haniry avy amin'ny fototr'i Jese, sady hisy tagnany hatamin'ny vahane hitondra vône. 2Hipetraka amin'ny fagnahin'i Yaveh, ny fagnahin'ny fahendrena sy fahajavan-tsaigna, ny fagnahin'ny fampenarana sy here, ny fagnahin'ny fahalalana sy tahotra an'i Yaveh.3Ny tieny no ho tahotra ny Tompo; tsy hitsaraina amin'ijay hitan'ny masony ijy, na hanapa-kevitra amin'ijay regnin'ny sofigne. 4Fa koja, hitsara ny mahantra amin'ny fahamarinana ijy sady hanapa-kevitra ara-drariny amin'ny manetry tegnan'ny tane. Hamely ny tany amin'ny tsora-kajon'ny vavany ijy, sady hamono ny ratsy fagnahy amin'ny fofognain'gny molone. 5Ny fahamarinana no ho fehin-kibon'ny andilagne, ary fahatokisana no fehin-kibo magnodidigna ny valahagne.6Ary ny amboadia hiara-hiagna amin'ny janak'ondry, ary ny leoparda hiara-mandre amin'ny janak'osy, janak'aombe, liogna tsnora ary ny aomby kele hatavejina. Jajakely no hitarika an-dreo. 7Ny aombivavy sy ny bera dia hiara-hihinagna, ary ny jana-dreo hiara-mandre. Ny liogna dia hihinagna mololo hôtran'ny aombe.8Hilalao an-davaky ny amenaragna ny jaja, ary ny jaja nisara-nono hametraka ny tagnany an-davaky ny bibilava. 9Tsy hamôratre na handrava an-tendrombohitro masina abiaby areo; satria ho feno fahalalana an'i Yaveh bny tane, hôtran'ny rano mandrakotra ny ranomasina.10Amin'ijany andro jany, dia hitsangagna hôtran'ny fagneva hôn'ny vahôka ny fototr'i Jese. Handremby an-dreo ny firenena ary ho be voninahitra ny toerana fegnenane. 11Amin'ijany andro jany, dia hagnatitra ny tagnany indraika bny Tompo ba handrakotra ny sisa amin'ny vahôkany jay mipetraka any Asyria, Egypta, Patrosa, Kosa, Elama, Sinara, Hamata, ary ny nosin'ny ranomasina.12Hamela fagneva hôn'ny firenena Ijy ary hamory ny vôrôkan'Israely sy ny vôeli'i Joda hatagny amin'ny jorony efitry ny tane. 13Hamadika ny fagiren'i Efraima Ijy, ary ho hifongorina ny fankahalan'i Joda. Tsy hagniry an'i Joda ny Efraima, ary Joda tsy hankahala an'i Efraima koa.14Fa hidigna hanafika agny amin'ny haran'gny Filistina avaratra koja areo, ary hiaraka hampigadra ny vahôka tantsignanana. Hanafika an'i Edoma sy Maoba areo, ary hankatò an-dreo ny vahôkan'i Amona. 15Hamotika tanteraka ansakelin-dRanomasin'i Egypta i Yaveh. Miaraka amin'ny rivony mahamay dia hagnofahofa ny tagnany amin'ny Ony Eofrata Ijy ary hagnasaraka an'ijany ho sampagna fito, ka afaka hempitana miaraka amin'ny kapa jane.16Hisy lalam-be hôn'ny sisa amin'ny vahôkany iajy mipody hatAsyria, hôtran'ny nisen'ijany hôn'Israely tamin'ny nekaran-dreo hatamin'ny tagne Egypta.
Chapter 12

1Amin'jany andro jany dia hijaka anao hoe: "Hagnatitra fisôrana hÔnao aho, a Yaveh. Fa vignitra aminahy aja Anao, dia nihodigna ny havigiranao, ary nankahery anahy Anao. 2Ito, Andremanitra no fammonjena anahe; hatoky aho ary ts hatahotra, fa Yaveh, eka, Yaveh no heriko sy hirako. Ijy no avy famonjena anahe."3Amin-kafalena no hisintomana rano hatamin'ny loharanon'ny famonjena. 4Amin'ijany andro jany no hilajanao hoe: "Magnatera fisôrana hôn'i Yaveh sady mentsoa nEgnarane; jakay amin'ny olo ny asane, jakay fa nasandratra nEgnarane."5Mihirà hôn'i Yaveh, fa nagnabo raha be voninahitra Ijy, ôka ho fantatra manen-tany jane. 6Mentsoa mahare ary mihiakiaha fifalena, ano a mponin'i Ziona, fa lehibe agnivonao ny Iray Masin'Israely.
Chapter 13

1Fagnambarana mahakasika an'i Babylona, jay vôrain'i Isaia janaka lahin'i Amoza: 2Manangàna fagneva an-tendrombohitra mangadihady, mihikiaha mahare amin-dreo, ahofahofay amin-dreo ny tagnanareo ba hidirany amin'ny vavahadin'ny andrena. 3Efa nandidy ny masiko Aho, eka efa nagnantso ny maheriko ba hagnatanteraka ny fahavignirako, eka na dia ny mibitaka am-pireharehana aja.4Ny horakoraky ny maro an'iqsa an-tendrombohitra, dia hôtra ny vahôka rahabe! Ny tabataban'ny fanjakana hôtran'ny firenena rahabe tafantambatra! Yaveh tompon'ny rehetra no mampahery ny tafita amin'ny ady. 5Avy agny amin'ny firenena lavitra areo. Yaveh sy ny fitôvana fitsarane, ba handravana ny tany manontolo.6Midradradradrà; fa efa marivo ny andron'i Yaveh; hoavy miaraka amin'ny fahapotehana hatami'ny Tditohz jzne. 7Noho jany dia hiraviravy ny tagnana abiaby ary honena ny fo. 8Hihorohoro areo; ho ajon'ny fanaintaignana sy fahorena areo, hôtran'ny viavy mùiterake. Samy ho gag ami'ijy samy amin-dreo; ary hirehitra ny tavane.9Ito, avy amin'ny fahavignirana lojabe sy fahavignirana manafotra ny andron'i Yaveh, ba hahatonga ny tany ho lao sady hamotika ny mpanota avy amin'ijane. 10Ny kintan'gny lagnitra sy ny telonohorefy dia tsy hagnome ny havanane. Ny masoandro dia ho mejigna amin'ny fiposahane, ary tsy hamiratra ny volagna.11Hagnasajy an'jao tontolo iajo nohon'ny faharatseny ary ny ratsy fagnahy no hon'ny helokan-dreo Aho. Hampiegnina ny fevognavognan' ny mpirehareha sy hagnafôgna ny fevognavognan'ny maseka Aho. 12Hatako mahalala noho ny volamena vôdio ny olo ary ny olombelogna ho saro-tadiavina noho ny volamena mifangaron'i Ofira.13Noho jany dia hatako mihovitrovitra amin'ny alalan'i Yaveh tompon'ny rehetra , sy amin'ny androm'pahavignirana leehibe ny lagnitre, ary hatako mihojongojogna amin'ny fipetrahan'ny tane. 14Hôtran'ny gazela vôhaja na hôtran'ny ondry tsisy mpiambigna, no hiveregnan'ny olo tsirairay amin"ny vahôkany ary hilifasany agny amin'ny tanine.15Ijay rehetra hita dia ho faty aby, ary jay rehtra tratra dia ho fatin'ny mesa.16 Ny jaja madini-dreo dia hitorotoroina amasone. Ny tragnon-dreo dia ho gadraina ary ny vadiny ho vôtologna.17Ito, mampirisika an'ny Mediana ba hanafika an-dreo Aho, jay tsy ho vôkasiky ny volafotry, na hankamamy ny volamena. 18Ny tsipìkan-dreo handefogna ny tanorane. Tsy hamindra fo amin'ny jana-dreo.19Ary Babylona, ny mendri-piderana indrindra amin'ny fanjaka, ny famirapiratan'ny reharehan'ny Kaldeana, dia hiravana hôtran'i Sodoma sy Gomora. 20Tsy honegnana na hipitrahana jane hatramin'ny taranaka fara-mandimby. Tsy hisy Arabo hanorin-day agne, na hisy mpiambigna ondry agne.21Fa ny bibidizn'ny efitra no hipetraka agne. Ho feno hora ny tragn-dreo; ary ostrisa sy osilahy no hifalifaly ao. 22Hierogna agnaty ferovany bny piso dia, ary ny amboadia amin'ijay toerana mahafinaritre. Antomotra ny fotôgne, ary ny anndrony dia tsy ho tara.
Chapter 14

1Hangoraka an'i Jakoba Yaveh; hifidy an'Israely indaraika Ijy ary hamerigna an-dreo amin'ny vahiny ary hamehy ny tegnany amin'ny ankhonan'i Jakoba. 2Hitondra an-dreo agny amin'ny fipitrahany ny firenena. Dia hitondra an-dreo agny amin'ny tanin'i Yaveh ho mpanompo lahy sy vavy ny ankohonan'Israely. Hampigadra jay efa nampigadra an-dreo, ary hanapaka ny mpampahory anaje.3Amin'ny andro jay homen'i Yaveh fijanognan hônareo amin'ny fijalena sy ny fangirifirena, sy amin'ny asa mahery jay takena ho tanterahinareo, 4dia hihira jao hira fagnesôna hôn'ny mpanjakan'i Babylona jao anareo hoe: "Eee vita ny amin'ny mpampahory, tapitra ny fahavignirana mieboebo!5Efa namotika ny tehin'gny ratsy fagnahy Yaveh, ny tehim-panjakan'ny mpanapaka, 6jay mamely ny vahôka amin'ny fahavignirana ai'ny fitsofana tsy manam-pegnenana, jay nanapaka ny firenena tamin-kavignirana, tamin'ny fanafihana jay tsy negnina.7Megnina ary mandry ny tany manotolo; manomboka mankalaja amin'ny hira areo. 8Na dia ny hajo kypreso aja dia mifaly aminao hatramin'ny sederan'i Libanona; hoy areo: "Ka satria nambanina ambany anao, dia tsisy mpanapaka hajo niakatra ba hanapaka anay." 9Mandigny fatratra ny hitsena anao ny fiagnan-tsy hita ambany laha mandeha agny anao. Manangana ny maty hônao jane, ry mpanjakan'ny tany abiaby, mampitsangana a-dreo amin'ny seja fiandrianane, ry mpanjakan'ny firenena abiaby.10Hijaka aby ijy abiaby sady hanao aminao hoe: "Efa avy malemy hôtranay anao. Efa avy hôtranay anao. 11Efa nahidigna hômi'ny fiagnan-tsy hita tamin'ny feom-balihanao ny voninahitrao. Miparitaka ambaninao ny olitra, ary mandrakotra anao ny hankagna."12Hôtraniaja ny filavônao hatan-dagnitre, a kitan'gny andro, janaky ny maraigna! Hôtraniaja ny hanapahana anao amin'ny tane, anao jay nandresy ny firenena! 13Efa nilaja tam-poanao anao hoe: "Hiakatra hôn-dagnitra aho, hanandratra ny seja fiandrianako ambonin'y kintagn'Andremanitra aho, ary hitoboka an-tendrombohitry ny fengonana, amin'ny farany lavitry ny avaratre. 14Hiakatra ambonin'ny rahogna ambony ahoi; atako hôtran'Andremanitra Ambony Indrindra Aho."15Kanefa nampidignina tagny amin'ny fiagnan-tsy hita anao, tagny amin'ny hady laligna. 16Ijay mahita anao dia handinika anao ka hiteno anao ijy. Hnao areo hoe: "Moa ve toy ny lelahy jay nampangorohoro ny tane, 17jay nampihojongojogna ny fanjakana, jay nanao jao tontolo jao hôtran'ny efitre, zay nandrava ny tanànan'ijany ary tsy namela ny gadrany hody?"18Ny mpanjakan'ny firenena, abiaby, ijy abiaby dia mandy amim-boninahitre, ny tsirairay samy amin'ny asany aby. 19Nefa anao dia halaina amin'ny asanao hôtran'ny ratsan-kajo narena. Mandrakotra anao hôtran'ny lamban'ny mate, dia jay niloahana tamin'ny mesa, jay midigna agny amin'ny vaton'ny hady. 20Tsy halevigna hôtran-dreo anao, satria efa namotika ny taninao sy namono ny vahôkanao. Ny taranaky ny mpagnano ratsy dia tsy ho tognonina koa."21Omagny hôn'ny janagny ny famonônao, hôn'ny helokin'ny rajambene, ba tsy hitsangagna ijy ka hangala ny tany ary hameno ijoa tontolo ijao amin'ny tanàna. 22"Hitsangagna hanohitra an-dreo Aho"--ijany no fagnambaran'i Yaveh Tompon'ny rehetra. Ho fognzko hiala amin'i Babylona ny agnarana, ny taranaka, ary ny harena"--ijany no fagnambaran'i Yaveh. 23"Hatako ho amin'ny fanagnan'ny hora hiany koa ijy, sy amin'nydobon-drano, ary hofafako amin'ny kamafan'ny fandinganana ijy"--ijany no fagnambaran'i Yaveh Tompon'ny rehetra.24Efa nieniena Yaveh Tompon'ny rehetra hoe: "Araka ny efa nieritreretiko tôkôtre, no hitranga, ary arak'jay efa nokendreko, dia jany no ho ijy: 25Hipotehiko ao amin'ny tany ny Asyriana, sady didiako ami'ny hongotra amin'ny tendrombohitro ijy. Dia halaiko hiala amin-dreo ny zogany ary hiala amin'ny taho-dreo ny etan-mavesatrane."26Ijany no fikasana hôn'ny tany tontolo, ary jay no tagnan jay nasandratra hôn'ny firenena abiaby. 27Fa efa nagnomagna an'ijany Yaveh Tompon'ny rehetra; ija no hahasakagna Anaje? Misandratra ny tagnane, ka ija no hampihemotra an'ijane?28Tamin'ny taogna jay nahafatesan'i Ahaja mpanjaka no neven'ijao fagnambarana jao hoe: Aja mifaly, anareo ry Filistina abiaby, fa 29taoaka ny tsora-kajo jay namely anareo. Fa avy amin'ny vahan'ny bibilava no hivoahaneny amenaragna, ary ny hateragny dia ho bibi-lava mirehitra magnembogna. Hampihinagna ny ondriny ami'ny 30fihinanam-biloko ny ny lahimatoan'ny mahantra, ary hoandry am-pilaminana ny ory. Hivoniko amin'ny mosary jay hamono ny sisa velogna aminareo ny vahanareo.31Midradradradrà, a vavahady; mitomagnia, a tanàna; anareo abiaby dia hiempo aby, ry Filistia. Fa avy avaratra no heven'ny rahon-setroke, ary tsisy mila andaharane. 32Ka nahôna ary no hamalen'ny olo ny irak'jane firenena jane? Fa hitan'i Yaveh i Ziona, ary aminajy no hahitan'ny ory amin'ny olo felofagna.
Chapter 15

1Fagnambarana mahakasika an'i Moaba. Eka tokôtra, agnatin'ny aligna raika dia fôgna sy potika i Ara-moaba; Eka marina, agnatin'ny alignaraika dia fôgna sy potika i Kira-moaba. 2Niakatra handeha an-tampony ny olon'i Dibona ba hitomagny, mitomagny a Nebo sy a Medeba i Moaba. Vôharatra ho sola ny lohan-dreo sady vôtapaka ny somo-dreo abiaby.3Magnano lamba fisôgnana areo agny amin'ny lalan-dreo; midradradradra amin'ny tampon-tragno sy amin'ny kianjan'ny tsirairsy, ketrakin'ny tomagny. 4Miantso vonjy i Hesbona sy Elale; regne hata-Jahaza ny feon-dreo. Ka miantso vonjy ny lelahin'ny Moaba mitam-pediena; mangorohoro agnatin-dreo mandy areo.5Mitomagny hô Moaba ny foko; milefa hô Zoara sy Egleta-selisia ny mpilefane. Miakatra agny amin'ny fekaran'i Lonita am-pitomagniena ijy; midradradradra mahare ny ami'ny fahasimbany amin'ny lalagna hô Horonaima areo. 6Ritra ny ranon'i Nimrima; malajo ny ahitra sady maty ny ahi-bôvao; tsisy na ino na ino metso. 7Ijay abiaby nampitomboiny sy navorin-dreo dia nandan-dreo agny an-dohasahan-driekan'ny hajo malahelo.8Naneragna ny faritanin'i Moaba ny tomagny; hata-Eglaima sy er-elima ny fidradradradrana. 9Fa feno rà ny ranon'i Dimona; fa bola bebe kokoa no handako amin'i Dimona. Hanafika jay nilefa hata-Moaba sy ny sisa nivela amin'ny tany ny liogna.
Chapter 16

1Adifaso aomby sy osy ny mpanjaka ny tany hata-Sela agny an'gnefitre, hatragny amin'ny tendrombohitry ny janaka vavin'ny Ziona. 2Hôtran'ny vorogna mpirenireny, hôtran'ny akany miparitake, ka ny vadin'i Moaba dia hômin'ny vintagna amin'ny reniranon'i Arnona.3Magnomeja hevitre, ampiharo ny rarine; magnomeja alokaloka hôtran'ny aligna amin'ny mitataovovognana; avonio ny mpilefa; aja mamadika ny mpilefa. 4Ôka honigna aminareo areo, ry mpitsô-ponegnana hata-Moaba; meteja ho toeram-pivonena hôn-dreo amin'ny mpandringagna." Fa hegnina ny fampahorena, ary hijanogna ny fandravana, ijay nagnosihosy dia hanjavogna amin'ny tane.5Habela amin'ny fagnekena mampatoky ny seja fiandriagnana; ary ny raika hatamin'ny lain'i Davida dia hipetrakao am-pahatokisana. Hitsara hôtran'ny fandrombejana ny rariny ijy ary hanao fahamarinana.6Naneho ny avognavon'gni Moaba ahay, ny fireharehane, ny fihô-bavane, ary ny havignirane. Fa ny fireharehany dia teo fehijay. 7Ka midradradradra hôn'i Moaba i Moaba_Midradradradra ijy abiaby! Misôgnà hôn'ny ampempam-bôlobok'i Kira-haresa, anao jay rava tanterake.8Nihamaigna hôtran'ny vôlobok'i Sibma ny sahan'i Hesboma. Ny mpanapaka amin'ny firenena dia nihosihosy ny safidim-bôloboka jay avy hata-Jereza ary niparitaka tan'efitre. Ny sampagny niely tambohine tegne, nandeha magneragna ny ranomasina areo.9Dia hitomagny miaraka amin'i Jareza hôn'ny vôlobok'i Sibma tokôtra aho. Hanondraha anao ami'ny ranomasoko aho, ry Hesbona, sy Elale. Fa tamin'ny sahan'ny voa lohataogna sy ny fijinjana no namaragnako ny horakora-pifalena. 10Nalaina tamin'ny alalann'ny hajo fihinam-boa ny fifalena sy firavoravôna; ary tsisy hira na horakoraka amin'ny tanim-bôloboke. Tsy hisy na ija na ija handidia divay amin'ny famiejana, fa efa navelako ny horakorakin'ny raika jay mandidia.11Ka misento hôtran'ny harpa hôn'ny Moaba ny foko, sady negnatiko hôn'i Kira Hareseta. 12Laha mampekanjo ny tegnany tamin'ny toerana ambony i Maoba ka miditra ny tempoliny ba hivavake, dia tsy hahatanteraka na ino na ino ny vavane.13Ijany no jaka jay nijakain'i Yaveh manhakasika an'i Moaba taloha. 14Mijaka koa Yaveh hoe: "Agnatin'ny telo taogna, dia hanjavogna ny voninahitr'i Moaba, na dia rahabe aja ny olone, dia ho vitsy ny sisa mivela ary tsy hisy dikane."
Chapter 17

1Fagnambarana momban'i Damaskosy. 2Hafoy ny tanànan'i Aroera. Ho toerana handren'ny biby fiompe ijane, ary tsy hisy hampatahotra an-dreo. 3Hanjavogna tsy hô-Efraima, ny fanjakana hata-Damaskosy, ary ny sisa navelan'i Arama ny tanàna vôaro--ho hôtran'ny voninahitry ny vahôkan'Israely io--ijany no fagnambaran'i Yaveh tompon'ny rehetra.4Ary amin'ijany andro jany dia ho bitika ny voninahitr'i Jakoba, ary hanjary hahia ny hatavejan'ny nofone. 5Ho hôtran'ny amin'ny famoren'nt'y mpijinja ny vary amin'ny tôlagny jane, ary ny sandriny mijinja ny salohim-bare. Ho hôtran'ny amin'ny fambolejan'olo raika ny salohim-bary amin'ny lohasahan'ny Refaima jane.6Hisy sisa vôvorivory hivela, kanefa, ho hôtran'ny amin'ny fihojongojognan'ny hajon'oliva: misy oliva rolahiteo na telo amin'ny rantsagny ambony indrindra, efatra na dimy amin'ny sampagny ambony indrindra amin'ny hajo mamoa--Jany no fagnambaran'i Yaveh, Andremanitr'Israely. 7Amin'ijany andro jany dia hitodika amin'ny Mpahary anaje ny olo, ary yn masony hijery ny Iray Masin'Israely.8Tsy hijery ny alitara areo, jay asa'ny tagnan-dreo, na hijery jay namboarin'ny ratsan-tagne, dia ny baon'Aseraha na ny sary masoandro. 9Amin'ijany andro jany dia ho hôtran'ny bao hajo nafoy amin'ny tendron-karagna ny tanàna tsara vôtran-dreo, jay nafoy nohon'ny vahôkan'Israely ary hanjary ho lao jane.10Fa nagnadigno ny Andremanitry ny famonjenareo anareo, ary nodienareo fanigna ny vatolampin'ny harinareo. Ka mamboly java-maniry mahafinaritra anareo, ary mametraka tahom-bôloboka vôray hatamin'ny vahiny, 11amin'ny andro hambolenareo, sy hamefenareo, sy hampanirinareo. Tsy ho ela dia haniry ny voanareo, fany tsy hahavagnona ny vokatrareo amin'ny andro fahorena sy alahelo be.12Loja! Ny fitokonan'ny olo rahabe, jay mierogna hˆtran'ny fieron'gny ranomasina, ary ny fisafôky ny firenena, jay mifaoka hôtran'ny fipôkan'ny rano mahere! 13Hierogna hôtran'ny fipôkin'ny rano rahaben'ny firenena, nefa hijaka an-dreo mafy Andremanitra. Hilefa lavitra areo ary hisamborina hôtran'ny ahi-dratsy tsofin'ny rivotra egny amin'ny tendrombohitra, ary hôtran'ny ahi-dratsy ahodikodin'gny tafio. 14Amin'ny maraigna dia ho dify ijane! Ijany no anjaran-dreo jay tien-tsena, ny amboaran'ijay mandrava an-tsena.
Chapter 18

1Loja hôn'ny tanin'ny fivitsikitsihan'ny elatre, jay miaraka amin'ny onin'ny Etopia; 2jay nandefa masoivoho amin'ny ranomasina, agnaty fanaka taratasy papirosy egny amin'ny rano. Mandihana, anareo a iarake malaky fandeha, amin'ny firenena lava sady malama, agny amin'ny olo matahotra lavitra sy marivo, firenena matanjaka sy magnosihosy, jay nijaran'ny ony ny tanine.3Anareo mponigna abiaby eto amijao tontolo jao senareo jay monigna eto an-tane, laha nenga an-tampon-tendrom-bohitra ny fanerana, mijireva, ary laha tsofina ny antsiva, mitenoa.4Jao no nambaran'i Yaveh taminahe, "Handinika moramora hatamin'ny tragnoko Aho, hôtran'ny fipôkan'ny hafanana egny amin'ny masoandro, hôtran'ny javon'gny rahogna amin'ny hafanan'ny fijinjana. 5Melohan'ny fijinjana, laha tapitra mamogne, ary ny vonikazo dia mamoa ho vôloboka, handrantsagna ny vogniny amin'ny fitavasam-bôloboka ijy, ary hitapahiny sady handany ny rantsagna jay ajo.6Havela hôn'ny voron'gny tendrombohitra sy ny biby egny ambonin'ny tany koa areo. Handany fahavaratra amin-dreo ny vorogna, ary ny biby managn'aigna abiaby dia handany ririnina amin-dreo." 7Amin'ijany fotôgna jany dia hisy fagnomejam-boninahitra an'i Yaveh Tompon'ny rehetra avy amin'ny vahôka lava sady malama, avy amin'ny vahôka natahoitra alavitra sy marivo, firenena matanjaka sady vôdidia, ijay nisarahin'ny ony ny tanine, aamin'ny toeran'ny agnaran'i Yaveh Tompon'ny rehetra, hatamin'ny tendrombohitra Ziona.
Chapter 19

1Fagnambarana momban'i Egypta. Ito, Yaveh mideba rahogna mandeha mare ka hoavy a Egypta; mangovitrovitra eo agnatrehan'ny sampan'gni Egypta, ary dia ketraka agnaty ny fon'ny Egyptiana samy Egyptiana. 2"Hamprisihiko hidy ny Egyptiana samy Egyptiana: Lelahy raika hiady amin'ny rahalahine, ary lelahy raika hanohitra ny nekamane; tanàna hanohitra tanàna, ary fanjakana hanohitra fanjakana.3Ho ketraka agnaty ny fagnahin'i Egypta. Ho potehiko ny torohevine, na dia nandremby ny hevitrin'ny sampe, sy fagnahin'olo mate, sy mpahita ny hoavy, ary mpanao sikidy aja areo. 4Hatolotro an-tagnan'ny tompo maseka ny Egyptiana, ary mpanjaka matanjaka no hanapaka amin-dreo--jany no fagnambaran'ny Tompo Yaveh tompon'ny rehetra."5Ho ritra ny ranon'ny ranomasina, ary ho ritra ny ony ka ho fôgna. 6Ho lasa maloto ny renirano; hihegna ny riak'i Egypta ka ho ritre; ny volotara sy ny zozoro halajo.7Ny volotara amoron'i Neily, amoron'ny vavan'i Neily, sy ny tanim-bolin'i Neily abiaby dia hangigna, hanjary vovoke, ka ho vôtroke. 8Hidradradradra sy hisaogna ny mpanjono, ary jay abiaby manipy ny vintagny amin'i Neily hisôgna, ary jay mamelatra ny haratony amin'ny rano halahelo.9Ny mpiasa amin'ny bangon-drongony sy jay mpambôtra lamba hiova ho hatsatre. 10Ho vôtorotoro ny mpanao lamban'i Egypta, ny abiaby miasa amin'ny fikaramana halahelo agnate.11Adala tanteraka ny andrian'i Zoana. Ny torohevitry ny mpanolotsaigna hendry indrindran'i Farao miova ho tsisy dikane. Ahôna no hijakanao amin'i Farao hoe: "Aho no janaka lahin'ny olon-kendre, janaka mpanjaka taloha?" 12Ka aja are jay olon-kendrinao eo? Ôka ijy ny hijaka aminao ka hampahafantatra jay eritreretin'i Yaveh Tompon'ny rehetra mahakasika an'i Egypta.13Efa adala ny andrian'i Zoana, vôfitaka ny andrian'i Memfisa; efa nanao an'i Egypta handeha amin'ny lalan-diso areo, jay fehijoron'ny fokone. 14Yaveh efa nampiharo fagnahin'ny fifandrotana tagnivone, ary areo efa nitarika an'i Egypta tamin'ny lalan-tsy ijy amin'ijay atany abiaby, hôtran'ny mamo mivembegna amin'ny naloane. 15Tsisy na ino na ino ajon'olo atao koa hôn'i Egypta, na ny loha na ny rambo, na ny tagnan-drafia na ny volotara.16Amin'ijany andro jany, ny Egyptiana ho hôtran'ny viave. Hihorohoro sy hatahotra areo hôtran'ny fisandratry ny tagnan'i Yaveh Tompon'ny rehetra jay atsangagny amin-dreo. 17Ho lasa anton'ny fivembegnan'i Egypta ny tanin'ny Joda. Na amin'ny vena na amin'ny vena misy olo hampahatsiahy an-dreo Anaje, dia hatahotra areo, noho ny fikasan'i Yaveh, jay arafiny hanohitra an-dreo.18Amin'ijany andro jany dia hisy tanàna dimy amin'ny tany Egypta jay hijaka ny fijakan'i Kanàna sady henena fankatoavana amin'i Yaveh Tompon'ny rehetra. Raika amin'ny tanàna ny hantsoina hoe Ny tanànan'ny masoandro.19Amin'ijany andro jany dia hisy alitara hôn'i Yaveh agnivon'ny tagny Egypta, ary tsangam-bato hôn'i Yaveh amin'ny sisigne. 20Ijany dia ho famantarana sy vavolombelogna hôn'i Yaveh tompon'ny rehetra amin'ny tany Egypta. Laha mitomagny an'i Yaveh nohon'ny mpampahory areo, dia handefa mpagnavotra sy mpiaro hôn-dreo Ijy, ary hagnafaka an-dreo.21Ho lasa fantatr'i Egypta i Yaveh, ary hahalala an'i Yaveh ny Egyptiana amin'ijany andro jany. Hanompo amin'ny sorogna sy fagnatitra areo, ary hanao voady amin'i Yaveh areo ka hagnatanteraka anaje. 22Hampahory an'i Egypta i Yaveh, mampahory ary magnafake. Hiverigna amin'i Yaveh ijy ka hagnafagna an-dreo.23Amin'ijany andro jany dia hisy lalam-be hat-Egypta ka hat-Asyria, ka ho avy agny Egypta ny Asyriana, ary ny Egyptiana agny Asyria; sady hanompo miaraka amin'ny Asyriana ny Egyptiana.24Amin'ijany andro jany, Israely no ho fahatelo amin'i Egypta sy Asyria, fitahena raika eo agnivon'ny tany; 25hitahy an-dreo: "Hitahina anie Egypta, vahôkako; i Asyria, asan'ny tagnako; ary Israely, lovako."
Chapter 20

1Tamin'ny taogna neven'i Tartana ta-Asdoda, laha nagniraka anaje i Sargona mpanjakan'i Asyria, dia niady tamin'i Asdoda ijy ary nangala ijane. 2Tamin'ijany fotôgna an'ijany i Yaveh dia nivoria tamin'Isaia janaka lahin'i Amoza ary nijaka hoe: "Mandihan ary alay ny lamba fisôgnana egny amin'ny andilanao sy ny kapa an-kongotrao." Ka nataony jane, nenga nijily sy tsy nanao kapa.3oy Yaveh hoe: "Hôtra ny nandihanan'Isaia nijily sady tsy nano kapa nandritry ny telo taogna, dia famantarana sy fambara mahakasika an'i Egypta sy mahakasika an'i Etiopia jane-- 4amin'jany fomba jany no hitarihan'ny mpanjakan'i Asyria ny gadran'i Egypta sy ny sesi-tanin'i Etiopia, tanora sady antitre, mijily sy tsy magnano kapa, ary miaraka amin'ny vody tsy mirakotre, hômin'ny fahamenaran'i Egypta.5Hatahotra sy ho megnatra areo, satria nalain'i Etiopia ny fagnantenan-dreo ary nalain'i Egypta ny voninahi-dreo. 6Amin'ijany andro jany ny mponin'gny sisi-tany jay die hilaja hoe: 'Loharanon'ny fagnantenana tokôtra jane, ijay nilifanay ba hila fagnampena ho vôvôtra amin'ny mpanjakan'i Asyria, ary amijao, aôna no afahanay milefa?'
Chapter 21

1Fagnambarana momban'ny tany efitra amoron-dranomasina. Hôtran'ny tadio mamakivaky an'i Negeva no hieven'ijay mandalo hatagnefitre, hatamin'ny tany loja. 2Fahitana mamparikoriko no name anahe; ny lelahy mpamitaka dia namitaka, ary ny mpandrava dia nandrava. Mekara ary tafio, ry Elama; atôvy fahirano, ry Mediana; hampegnina ny taregnany abiaby Aho.3Noho jany dia feno fnaintaignana ny valahako; fanaintaignana hôtran'ny fanaintaignan' ny viavy miteraka ny namehy anahe; nenkohoka noho ny raha regniko aho; nikorontagna tamin'ny raha hitako aho. 4Torotoro ny foko, mangorohoron'ny tahotra aho. Ny hariva, fotôgna ankafijako agnatin'ny andro, dia nitondra horohoro hônahé.5Nagnomagna ny lataba-dreo, nivilarin-dreo ny lamba fatorena ka nihinagna sy ninogna; mitsangàna, ry andriendahy, hosory diloilo ny ampinganareo.6Fa jao no lajain'ny Tompo taminahe hoe: "Mandihana, magnabilà lelahy mpiambigna raika; tsy mentsy mitatra jay hitane. 7Laha mahhita kalesa, mpiteba sôvaly rolahiteo, mpideba boriky, ary mpideba kamela ijy, dia tokony handinika sy ho melomelo."8Nitaraigna ny lelahy mpambigna hoe: "Ry Tompo, tamin'ny tilikambo fembenana aho dia nijoro nandritra ny indraika andro tontolo, isan'andro, ary tamin'ny toeram-pitileko no nijorôko hatamin'ny aligna manontolo." 9Ito, tamin'ny kalesa raika miaraka amin'ny lelahy raika sy mpideba sôvaly rolahiteo. Nangaika mahare ijy nagnano hoe: "Efa rava Babylona, rava, ary ny sary vongan'gny andremaniny abiaby dia potika amin'ny tane."10Ry nivilejina sy nisivagniko, janaky ny tragno fanotôm-bariko! Ijay regniko tamin'i Yaveh tompon'ny rehetra, ny Andremanitr'Israely, efa nilajaiko taminareo.11Fagnamarana momban'i Edoma. Nisy raika nangaika anhy a Seira hoe: "Ry mpiambigna, amivena vôha hifaragna ny aligna? 12Hoy ny mpiambigna hoe: Ho avy ny maraigna ary ny aligna mandy koa. Raha magniry ny hagnotany anao, dia magnotania; ary miviregna indraike."13Fagnambarana momban'i Arabia. An-tany agnefitr'i Arabia andanenareo ny aligna, ry andien-Dedanitra. 14Mitondrà rano hôn'ny mangetaheta; ry mponigna an-tanin'i Tema, tenao amin'ny mofo ny mpitsô-ponegnana. 15Fa ijy dia nilefa ny mesa, tamin'ny mesa vôrendrike, tamin'ny tsipia vôhenjagna, ary tamin'ny vesatry ny ady.16
17 Mpandefa tsipika, lelahy mpiadin'i Kedara vitsy sisa no ho tabela,''satria Yaveh, ilay Andriamanitr'Israely, no efa nijaka.
Chapter 22

1Fagnambarana mahakasika ny lohasahan'ny Fahitana: Ino no antony nandihananareo abiaby hômin'ny tampo-tragno? 2Ny ba hitenonareo ny tanàna feno tabataba ve, tanàna jay feno firavoravôna? Ny maty aminao dia tsy matin'ny mesa, sady tsy maty tamin'ny adin-dreo.3Ny mpanapaka anao abiaby niara-nilefa, fa vôgadra tsy nampesana jana-tsipika areo; ijy abiaby dia vôgadra niarake, na dia nilefa lavitra aja areo. 4Noho jany dia hoy aho hoe: "Aja mijery anahe, fa hitomagny mafy die mafy aho; aja miejaka hampionogna anahe mahakasika ny faharavan'ny janaka vavin'ny oloko."5Fa misy ny andron'ny fandrignenana, fagnosihosena, ary fifanjevôna hôn'ny Tompo Yaveh Tompo ny rehetra, amin'ny lohasahan'"ny Fahitana, faharavan'ny mandà, ary ny olo mangaikaika mafy an-tendrombohite. 6Elama nangala ny tragnon-jana-tsipìka, niaraka tamin'ny kalesan'ny lelahy sy ny mpideba sôvaly ary kira mangala ny fognon'ny ampinga. 7Fa ny lohasaha jay nifidinao indrindra dia ho feno kalesa, ary ny mpideba sôvaly die hôtran'ny toerana tam-bavahady.8Nangala ny ferovan'i Joda ijy; ary tamin'ijany andro jany dia nijery ny fitôvam-pediena tamin'ny lapan'ny Ala. 9Nahita ny bangan'ny tanànan'i Davida anareo, fa rahabe io, sady namorovoro ny ranon'ny dobo ambany anareo.10Nagnisa ny ankohonan'i Jerosalema anareo, sady nandrodagna ny tragno ba hagnamafisana ny mandà. 11Nambôtra fagnatsarejana tagnelagnelan'ny màanda rolahiteo anareo hôn'ny ranon'ny dobo efa ela. Fa tsy ba nihevitra ny mpamorogna ny tanàna anareo nagnomagna jany hatry ny ela.12Tamin'ijnay andro jany ny Tompo Yaveh Tompon'ny rehetra nangaika fitomagnena, fisôgnana, fieretan-doha, ary fanôvan ankanjo fisôgnana. 13Fa ito, koja, ny fankalajana sy ny fifalena, ny famonôn'aombe sy ny famonôn'aondry, fihinanan-kena sy fisotrˆna diavy, ôka atsena hinogna sy hihnagna, fa ho faty atsena ampitso. 14Ijao no nambaran'i Yaveh Tompon'ny rehetra tan-tsofiko: "Eka tokôtra fa tsy havela jay helokareo jany, eka fa na die ho faty aja anareo," hoy ny Tompo Yaveh Tompon'ny rehetra.15Ny Tompo yaveh tompon'ny rehetra, nijaka anijao: "Mandihana mandeha agny amin'ny mpitandrin-draharaha, agny amin'nySebna, jay mpanapaka ny tragno, ary lajao hoe: 16Ino no tanao eto sady ija no nagnome alalagna anao handavaka fasagna hôn'ny tegnanao, hagnambôtra fasagna ambony egny sy handavaka toerana felana sasatra amin'ny vatolampy egne?"'17Ito, Yaveh efa hanipy, a lelahy mahere, hanipy anao hômbane; hadindia anao mahare tokôtra Ijy. 18Hamadivady anao tokôtra Ijy, sady hampisamboaravoara anao hôtran'ny bôlila mandeha amin'ny tany malalaka agne. Agny no hahafatesanao, sady ho agny koa ny kalesan'ny voninahitra; hanjary hegnatra hôn'ny tompon'ny tragnonao anao! 19''Hiroahiko henga amin'ny raharahanao sy toeranao eo anao. Haongagna anao.20Amin'ijany andro jany Aho dia hangaika an'i Eliakima mpanompoko janaka lahin'i Hilkia. 21Hampekanjoiko ain'ny akanjo lavanao ijy sady haseko ny fehin-kibonao; ary hafindrako hôn-tagnany eo ny fahefanao. Ho iaban'ny mponin'ny Jerosalema sy ny ankohonan'ny Joda ijy. 22Habelako an-sandriny eo ny fagnalahidin'ny ankohonan'ny Davida; hamoha ijy, ary tsy hisy hagnidy ijy; sady tsy hisy hamoha.23Hampitoetra ijy, hôtran'ny fihantognan-draha amin'ny toerana ajo antoke, ary ho lasa toeram-boninahitra hôn'ny ankohonan-drainy ijy. 24Hahanton-dreo amin'ny voninahitry ny ankohonan-drainy aby, ny janagny sy ny taranagne, ny fanaka bitika abiaby hatamin'ny kapôka hatamin'ny tavoara abiaby.25Amin'ijany andro jany--jao no fagnambaran'i Yaveh Tompon'i rehtra, halaina ny fihantognan-draha amin'ny toerana mafy origna, hipotehina ary ho lavo, ary ny lanja amin'ijany die ho tapahina fa Yaveh ny mijaka
Chapter 23

1Ny fagnambarana momban'i Tyro: Midradradradrà, anareo ry sambon'ny Tarsisy; fa tsisy na tragno na seragnana; avy tamin'ny tanin'i Sipra no nagnambarana anijany tamin-dreo. 2Mangina, anareo a mponin'gny morontsirake; fa ny mpivarotra a Sidona, jay metsambo amin'ny ranomasina, diefa nameno anareo. 3Tambonin'ny rano lehibe die nisy ny varin'iSihora, ny voktr'i Neily no vokane; ka lasa varotra hôn'ny firenena iajne.4Ôka ho megnatra, ry Sidona; fefa nijaka ny ranomasina, dia ny mahery amin'ny ranomasina. Hoy ijy: "Tsy bola nihetsi-jaja aho na niteraka, na nanangagna tovolahy na niteja tovovave". 5Ka laha avy agny Egypta ny tatitre, dia halahelo mahakasika an'i Tyro areo.6Mempità an'i Tasisy; midradradradrà, anareo ry mponin'gny morontsirake. 7Sa nitranga taminareo ve jane, ry tanàna fale, ijay avi amin'ny fotôgna taloha die nendohane, jay nindan'ny hongony lavitra agny amin'ny toerana vahiny ba hipitrahana?8Ija no nikasa anijany hagnorenana an'i Tyro, ny mpagnome ny satro-boninahitra, jay ny mpivarotra dia andrien-dahy, jay ny mpanakalo dia ny olo manamboninahitra amin'ny tane? 9Yaveh Tompon'ny rehetra efa nikasa anijany ba hangla baraka ny fievognevognany sy ny voninahiny abiaby, ba hampamegnatra ny olony manamboninahitra amin'ny tane.10Asao ny taninao, hôtran'ny esan'ny olo agn'i Neily, ry janakavavin'i Tarsisy. Tsisy tsena koa a Tyro. 11Efa nanjijitra ny tagnany tambony ranomasina Yaveh,ary efa nagnojongojogna ny fanjakana Ijy; efa nagnome beko nahakasikan'i Fenisia, ba handrava ny ferovana mafy ijy. 12Hoy Ijy; "Tsy hifaly koa anao, ry virijiny ory janakavavin'i Sidona; mitsàngana; mitsahà handeha Sipra; nefa na dia agny aja dia tsy hanam-pegnenana anao."13Jereo ny tanin'ny Kaldeana. Efa tsy nisy koa ny vahôka tao; efa nagnano anijany ho efitra hôn'ny tilikambony areo; niravainyny lapan'ijane; natany ho antotam-paharavana jane. 14Midradradradrà, anareo ry sambon'i Tarsysy; fa efa niravaina ny findognanareo.15Amin'ijany andro jany, dia ho hadigno mandritra ny fito taogna i Tyro, hôtran'ny andron'ny mpanjaka. Afaran'ny faran'ny fito taogna dia hisy raha hôtran'ny ao amin'ny mpijangajanga hiseho amin'ny Tyro. 16Mangalà harpa, mandihandihana agny amin'ny tanàna, anao a mpijanganjanga nihadinoina; tendreo tsara ijane, mihirà hira rahabe, ba ho tsaroina anao.17Ary afaran'ny fito taogna, dia hamonjy an'i Tyro Yaveh, ka hanomboka handremby vola amin'ny fanôvana ny asan'ny mpijangajanga indraika ijy, ary hiasa hôn'ny fanjakan'ny tany abiaby. 18Hatokagna hôn'i Yaveh ny tombony sy ny fanagane. Tsy hatsarejina na havorivory amin'ny firaketana ao ijany, fa ny tombony dia hame jay mitoetra amin'ny fagnatrehan'i Yaveh eo ary hampesaina ba hamatsy an-dreo amin'ny rahanina tondraka sy ba ahafahan-dreo mahajo ny akanjo tsara kalitô indindra.
Chapter 24

1Ito, hagnafôgna ny tany Yaveh, handrava anijane, hahalao anajy ary hagnely ny mponigne. 2Ho hôtran'ijany no hôn'ny mponigna, ny mpisorogna; ny mpanompone, ny tompone, mpiasan-dragno; ny tompovavine, ny mpividy, ny mpivarote; ny mpagnome trosa, ny mpitrosa; ny mpandray tombotsoa, ary ny mpagnome tombotsoa.3Ho rava tanteraka ny tany ary ho fôgna tanterake; satria Yaveh dia eha nilaja anijany teniny jane. 4Maigna ny malajo ny tane, mitolefika sy malajo ijao tontolo ijao, mihaosa ny olo malajan'ny tane. 5Maloto amin'ny alalan'ny mponigne ny tany satria efa nandinika lalàna, namôka ny didy, ary nivadika tamin'ny fanekena maharitra mandrakijay areo.6Noho jany dia mandevogna ny tany ny ojogna, ary meloka ny mponigne. May ny mponingnin'ny tane, ary vitsy sisa no mivela. 7Maigna ny divay vôvao, malajo ny vôloboka, misento aby ny faly am-po8Megnina ny feo mandrotsirotsin'ny aponga tapake, sy ny fandrignenan'ny mifale; miegnina ny fifalena minn-dokanga. 9Tsy minogna divay na mihir akoa areo, ary ny tôka dia mangidy hôn'ny jay misotro anijane.10Rava ny tanànan'ny fikorontagnana; mihidy sy fôgna aby ny tragno abiaby. 11Misy tabataba nohon'ny divay an-dalambe egne; mejigna ny hafalena, nanjavogna ny fifalena.12Faharavana sisa no amin'ny tanàna eo, ary ny vavahady dia potike. 13Fa hôtran'jany no ho amin'ny tany abiaby amin'ny firenena eo, hôtran'ny hajo oliva vôfioke, hôtran'ny fitsiponam-bôloboka laha vita ny fambilejana14Hagnakatra ny feony sy hangaika ny voninahitr'Andremanitre, ary hikike am-pifalena hatamin'ny ranomasina areo. 15Noho jany dia mankalajà an'i Yaveh antsignanan, magnomeja voninahitra ny agnaran'i Yaveh, ny Andremanitr'Israely amin'ny nosy ao.16Hatam-parany tany die naharignesana hira hoe: "Voninahitra anie hôn'ny marina!" Ha hoy ahoe: "Efa nihaosa aho, efa nihaosa aho, Ee! ny mpamitaka dia nitondra am-ptake; ye, ny mpamitaka die ena nitondra am-ptaka tokôtre."17Aminareo ny tahotre, ny hady, ary ny fandrike, ry mponin'ny tane. 18Ijy ijay milefa ny feon'ny fampihorohoroina dia trotraka an-kady, ary ijy jay miiakatra avy tan-kady dia ho ajon'ny fandrika. Hivoha ny varavaran'gny lagnitra, ary ny fagnamboarana ny tany dia hihojongojogna.19Ho rava tanteraka ny tany, hitresaka ny tane; hihojongojogna mafy ny tane. 20Hivembegna hôtran'ny olo mamo ny tany ary hitsingevaheva hôtran'ny tragno bongo ijane. Havesatra amin'ijany ny fahotany ary ho lavo ijany ka tsy hiarigna koa.21Ary amin'ijany andro jany dia hagnasazy ny miaramilan'ny avo avy ambony agne, sy ny mpanjakan'ny tany etoy an-tany i Yaveh. 22Hatambatra areo, gadra an-kady, ary gangigna am-ponja ao; ary afaka andro bebe dia ho vôsajy areo. 23Ary dia ho megnatra ny volagna, satria hanjaka amin-boninahitra an_tendromboohitr'i Ziona sy Jerosalema ao, ary agnivon'ny jokiolo i Yaveh tompon'ny rehetra.
Chapter 25

1Ry Yaveh, Andremanitro anao; hanandratra anao Aho, hidera negnaranao Aho; fefa nanao raha mahagaga anao, raha efa nomagnina ela, am-pahatokisana tanteraka. 2Fefa namboarinao ho korotam-bato ytanàna, ary ny tanàna vôaro mafy, ho faharavana, ary ny ferovana mafy ny vahiny tsy ho tanna. 3Ka die hagnome voninahitra anao ny tanànanan'ny firenena feno herisetre.4a fitoerana ferovana hôn'ny olo mahantra anao, findognana hôn'ijay ory amin'ny fahoreny_findognana amin'ny tafio-drivotra sy alokaloka ao ami'ny hafanana. Laha hôtran'ny tafio-drivotra hanohitra ny rindrigna ny fofon'gnain'gny maseke, 5sady hôtran'ny hafanana amin'ny tany maigna, no nandresenao ny tabataban'ny vahiny, hôtran'ny aloky ny rahogna ny hafanana dia hôtran'ijany koa no hamalena ny hiran'ny maseke.6Eto amin'itoy tendrombohitra itoy no hanôvan'i Yaveh Tompon'ny rehetra fanasana amin'ny raha matave, amin'ny divay maro karajagne, amin'ny laoke be tsoke, fanasana amin'ny divay efa niotrika ela hôn'ny vahôka abiaby. 7Hiravaina eto amin'itoy tendrombohitra itoy ny fandrakofana amin'ny vahôka abiaby eo, tragnon-kala rare amin'ny firenena abiaby eo. 8Hateligny mandrakijay ny fahafatesana ,ary Yaveh Tompo hamafa ny ranomaso amin'ny tava abiaby, halaina amin'ny tany abiaby ny fahafaham-baraka ny olo, fa Yaveh no efa nilaja naijane.9Ary hilajaina amin'ijany andro ijany hoe: "Ito, toy no Andremani-tsena; efa nandigny anaje atsena, ary ijy hamonjy antsena. Ijy no Yaveh, efa nandigny anajy atsena, hifaly sy hiravo nemin'ny famonjeny atsena". 10Fa eto amin'itoy tendrombohitra itoy no hegnenan'i tagnan'i Yaveh; ary Moaba ho vôhitsakitsaka amin'ny toerane, na die vôhitsakitsaka an-kady feno jejika ao aja ny maloto.11Namelatra ny tagnan-dreo tagnivon'jane areo, hôtran'ny famelaran'ny mpandaogna ny tagnany laha handaogna, fa Yaveh hampidigna ny avognavon-dreo na dia eo aja ny fahalakisan-tagnan-dreo. 12Ny mando ambo ferovana dia hampidignina amin'ny tane, hômin'ny vovoka eo.
Chapter 26

1Amin'ijany andro jany toy hira toy no hiraina agny ain'ny tanin'ny Joda: Managna tanàna mafy ahay; Andremanitra efa nanao famonjena ho rindrign'ijany sy tovon-tany ferovana. 2Vôahy ny vavahady, ba ahafahan'ny firenena marina jay mitagna finôna miditra ao.3Ny saigna jay mitoetra aminao, hatsarejina amin'ny fedanana tanteraka ijy, satria mitoky anao; 4Matokisa an'i Yaveh mandrakariva; fa amin'i Yaveh, die misy vatolampy tsy manam-pahataperana.5Fa haidigna jay miaigna amin'ny fevognana ijy; ny tanàna mimanda harodagna, harodagny amin'ny tane; fisahiny amin'ny vovoka egny jane. 6Ho vôdidia ny hongotry ny mahantra sy ny dien'ny ory jane.7Vôravogna ny lalan'ny olo marina, Ny marina; ny lalan'ny marina ahitsinao. 8Eka, amin'ny lalan'ny fitsaranao, ry Yaveh, no andiasanay Anao; ny Agnaranao sy ny lajanao no fagnirienay. 9Manigna Anao aho laha aligna; eka, mandremby Anao fatratra ny fagnahy aminahe ato. Fa laha avy eto ambonin'ny tany ny fitsaranao, dia hahalala ny fahamarinana ny mponin'ny tane.10ôka haseha amin'ny ratsy fagnahy ny sitrake, nefa tsy hahalala ny fahamarinana aja ijy. Agny amin'ny tanin'ny fahitsiena no hagnatorôny ny faharatsiena ka tsy mahita ny voninahitr'i Yaveh.11Ry Yaveh, miakatra ny tagnanao kanefa tsy tsikari-dreo mihintsy. Nefa ho hitan-dreo ny jotom-ponao amin'ny vahôka ka halaina barake, satria handevogna an-dreo ny afon'ny mpifagnandrigna aminao. 12Ô Yaveh, hitondra fedanana hônay Anao; fa indrindra, efa nahavita ny asanay hônay Anao.13Ry Yaveh Andremanitray, tompo hafa rahabe ankôtra Anao jay efa nanapaka taminay; nefa ny agnaranao rery mandy no derainay. 14Maty areo, fa tsy ba ho velogna; nodimandre areo, fa tsy ba hitsangagna. Avy tamin'ny fitsarana tokôtra Anao ary nandringagna an-dreo, ka nagnafôgna ny fahatserovana an-dreo abiaby.15Efa nampitombo ny firenena Anao, ry Yaveh, efa nampitombo ny firenena Anao; Omem-boninahitra Anao; efa nagnitatra ny faritry ny tany abiaby Anao.16Ry Yaveh, tamin'ny horohoro no hijeren-dreo Anao; nivitsikitsika vavaka areo laha tamin-dreo tao ny fagnanaranao. 17Hôtran'ny vivay betroka efa ho terake, amin'ny fotôgna mampihetsi-jaja anajy ka mitaraigna amin'ny fiterahane, dia hôtran'nijany koa ahay alohanao eo, ry Tompo.18Efa betroka ahay, efa nihetsi-jaja ahay, nefa jany dia hôtran'ny miteraka rivotra mandy. Bola tsy nitondra famonjena tamin'ny tany ahay, ary bola tsy potraka ny mponin'ny tane.19Hitsangagna ny maty aminao ao; hitsangagna ny fatin-dreo. Hifoha ka hihira fifalena, anao jay mitoboka amin'ny vovoke; fa ny andonao dia andom-pahajavana, sady ny tany hitondra avo efatra heny ny maty aminaje ao.20Mandihana, a vahôkako, midira angn'efitrareo, ka hidio ny varangaragnareo; mivonia ao agnatin'ny fotôgna vitsy, mandra-pengan'ny fahavignirana. 21Fa, ito, Yaveh efa mariny hiala hatamin'ny toerany ba hagnasajy ny mponin'ny tany nohon'ny helo-dreo; hampiharihary ny fandatsahan-drany ny tane, ary tsy hamony koa ny faty aminajy ao.
Chapter 27

1Amin'ijany andro jany Yaveh dia hagnafay ny Leviatana amenaragna tsisy dikane, amin'ny mesany mahere, lehibe sady maseke, ny amenaragna mitambolombologna, ary hamono ny biby mampatahotra jay agnatin'ny ranomasina ao. 2Amin'ijany andro jany: ny tanim-bôlobokin'ny divay: hihira nemin'ijane. 3"Aho, Yaveh, Aho no mpiaro anijane; manondraka anijany matetika Aho. miambigna anijany isanandro sy aligna Aho ka tsy afaka hanimba anijane.4Eeee, tsy vignitra aho, na die nisy ahitra sy tsilo aja! Handeha hanohitra an-dreo amin'ny ady Aho. Hirôko miarakamin-dreo, 5laha tsy hoe mifikitra amin'ny ferovako areo ary mihavagna aminahe; ôka areo hihavagna aminahe6Amin'ny andro ho avy, dia hangala vahany i Jakoba; hamogne sy hamoa Israely; sady hameno manerana ny tany amin'ny vôn-dreo."7Moa namely an'i Jakoba sy Israely hôtran'ny namileany ny firenena jay namely anajy ve Yaveh? Moa nivoniny hôtran'ny famonôn'ny firenena jay nivonin-dreo ve i Jakoba sy Israely? 8Amin'ny refy marina jay efa nalahatrao, nandroahana an'i Israely sy Jakoba; nandany tan-tany lavitra miaraka amin'ny rivo-mahery areo, tamin'ny andron'ny rivotra antsignanana.9Ka noho jany, ho vôhonitra amin'ijany ny helok'i Jakoba, fa jao no ho vokatra abiaby tamin'ny fangalana ny otane: laha hanao ny alitara vato hôtran'ny tsaoka jay vôpotipotika ijy, ary tsy hisy hitsanga-mitoetra ny baon'Aseraha na ny alitaran'ny ditin-kajo magnitra.10Fa ny tanàna nimafisina dia ho lao ny fonegnana dia ho ngajagna ary fafoy hôtran'ny efitra. Ao no hamahanana ny janak'aombe, ary ao no handreny sy handevognany ny rantsagne. 11Laha malajo ny sampagne, dia hitapahina areo. Ho avy ny viavy ka handrehitra afo amin-dreo, fa tsy olon'ny fahajavan-tsaigna itoy. Ka, tsy hanagna fangoraham-po amin-dreo ny Mpahary anaje, ary jay nanao anajy dia tsy hanagna famindram-po amin-dreo12Amin'ijany andro jany dia hisy fampihitsagnana hatamin'ny reniranon'i Eofrata ka hatamin'ny lohasahan-drek'i Egypta jay hatanao sy Yaveh, ry vahôkan'Israely, dia havory hiara kiraidraike. 13Amin'ijany andro jany, dia hitsofina ny antsiva lehibe; ary ho avy jay rava avy amin'ny tanin'ny Egypta, hagnome voninahitra an'i Yaveh an-tendrombohitra masina tagny Jerosalema
Chapter 28

1Lojan'ny satro-boninahitra vonikazo jay reharehan'ny mpimamo a Efraima, sy ny vonikazo malajon'ny hatsaràny be voninahitre, ny satro-boninahitra jay avela andohan'ny lohasaha metso mavagn'jay resin'ny divay! 2Ito, ny Tompo dia mandefa jay lehibe sy matanjake, hôtran'ny tafio-drivotr'avandra sy tafio-drivotra mandrava, hôtran'ny erika mitarika sy rano manafotre; ary hanipy ny satro-boninahitra vonikazo kiraidraika hômin'ny tany ijy.3Hididiadidiana ambany hongotra ny vonikazo reharehan'ny tôkalahin'ny Efraima. 4Ny vonikazo malajon'ny hatsarany be voninahitra, jay andohan'ny lohasaha lonake, dia ho hôtran'ny aviavy mialin-taogna alohan'ny fahavaratre, jay, laha hitan'ny olo jane, laha an-tagnany jany, dia harapagne.5Amin'ijany andro jany Yaveh tompon'ny rehetra dia ho lasa satro-boninahitra tsara tarehy sy diademan'ny hatsaràna hôn'ny sisa mivela amin'ny vahôkane, 6fagnahin'ny rariny hônajy jay mivela amin'ny fitsarana, ary hery hôn'ny jay mpampody ny fahavalony am-bavahadin-dreo eo.7Fa dia areo aja dia miribiriby amin'ny divay, ary mivembegna amin'ny java-pisotro mahere. Ny mpisorogna sy ny mpaminagny dia aribiribin'ny java-pisotro mahery, sady atelin'gny divay areo. Mivembegna amin'ny java-pisotro mahery areo, mivembegna amin'ny fahitana ary miribiriby amin'ny fagnapahan-kevitra. 8Rakotra loa tokôtra ny latabatra abiaby, ka tsisy toerana madio.9Amin'ija no ho hampenariny fahalalana, ary amin'ija no hagnajavany ny hafatre? amin'ijay vô nisara-nono ve? 10Fa beko magnampy beko, beko magnampy beko jane; fitsipika magnampy fitsipike; fitsipika magnampy fitsipike; kely etse, kely erôy.11Miaraka amin'ny molotra magniratsira sy fijakam-bahiny tokôtra no hivorianany amin'itoy vahôka toy. 12Taloha ijy dia nijaka tamin-dreo hoe: "Itoy ny fitsarana, omeo fegnenana jay rerake; ary toy koja ny famelombelognana," fa tsy niteno areo.13Ka ho beko magnampy beko; fitsipika magnampy fitsipike, fitsipika magnampy fitsipike; kele etse, kely erôgna amin-dreo ny jakan'i Yaveh; ba handeha areo sady ho lavo, ary ho simba, vôfandrike, sady vôsambotre.14Ka tenoy ny jakan'i Yaveh, anareo jay magniratsira, anareo jay manapaka amitoy vahôka jay a Jerosalema ao toy. 15Hiseho jany satria nijaka anareo hoe: "Nambôtra fagnekena tamin'ny fahafatesana ahay, ary nagnano fifagnarahana tamin'ny fiaignan-tsy hita. Ka raha mandalo eo ny karavasy manafotre, dia tsy hahajo atsena jane. Satria atsena nambôtra vandy ho ferovan-tegnatsena, ary ny fitaka ho fandrombejantsena."16Noho jany Tompo Yaveh dia milaja anijao: "Ito: Hambôtra fotôgna a Ziona Aho, vato vôsedra, vato fehijoro sarobidy, fototra ajo antoke. jay mino dia tsy ho megnatre.17Hatako fitsipa ny fitsaràna, ary bangay ny fahamarinana. Hamafa ny felofan'ny vandy ny havandra, ary hanafotra ny toerana mivony ny tondra-drano.18Ho levogna ny fagnekenareo tamin'ny fahafatesanareo, ary tsy hijoro ny fifagnarahanareo tamin'ny Fiaignan-tsy hita. Laha mandalo ny tondra-drano misamboaravoara, dia ho difotr'ijay anareo. 19Na vena handalovan'ijay, dia handifotra anareo jay, ary isa-maraigna dia handalo jany sady ho avy andro amagn'aligna jane. Laha ajo ny hafatra, dia hampihorohoro jane.20Fa fohika lôtra ny fandrena laha hitsoran'ny olo, ary kely lôtra hônajy ny lamba laha handrakofana ny vatagne." 21Hitsangagna hôtran'ny tendrombohittra Perazima i Yaveh; hanaitra anaje hôtran'ny tagny amin'ny Lohasahan'i Gibeona Ijy ba hanao ny asane, ny asany tsy mahajatra.22Noho jany ary dia aja maniratsira, laha tsy jany dia hinjehina ny fehinareo. Efa naharegne lalàna famotehana eto an-tany tamin'i Tompo Yaveh tompon'ny rehetra aho.23Mifantoha ka tenoy ny feoko; mitenoa tsara ary tenoy ny jakako. 24Sa miasa tany fotsiny ve ny mpamboly jay miasa tany tontolo andro ba hamafe? Mitombon-doha fehijay sy mandamigna ny saha ve ijy?25Laha avy nagnomagna ny tany ijy, moa ve tsy magnaparitaka ny vôn'ny nigela, mamafy ny komina, mametraka ny vary tritika mitandahatra ary ny vary hordea amin'ny toerana vôfaritra, ary ny tsakorondra amin'ny sisigny egny ijy? 26Mampianatra anaje ny Andremanine; mampianatra anajy am-pahendrena Ijy.27Fagnampin'ijany, tsy vilejina amin'ny vy ny nigela, na avaringadigna amin'ny komina ny kodiaran-sarety; fa vilejina amin'ny fantàka ny nigela, ary amin'ny hajo ny komina. 28Kosehina atao mofo ny vary nefa tsy manify lôtre, ary na die magnaparitaka jany aja ny varingadin'ny kalesany sy ny sôvaliny, dia tsy mandeha jany ny sôvaline.29Areo koa dia avy amin'i Yaveh tompon'ny rehetra, jay mahafinaritra amin'ny fampenarana ary tsara die tsara amin'ny fahendrena.
Chapter 29

1Lojan'i Ariela, Ariela, ny tanàna nitoben'i Davida! Ampio taogna ny taogna; ôka hitsengeringerigna ny andro firavoravôna. 2Fa hanao fahirano an'i Ariela Aho, ka hisaogna sy hitomagny ijy; sady ho hôtran'i Ariela ijy Aminahe3Hitoby magnodidigna anao Aho ary hametraka fahirano hamahy anao,ary hanangagna manda hanohitra anao Aho. 4Hampidigina anao ka hijaka amin'ny tany; hômbany avy amin'ny vovoka ny jakanao. Ho hôtran'ny angatra mivôka amin'ny tany ny ao ny feonao, ary ny jakanao dia halefaka tokôtra hatamin'ny vovoke.5Ny andian-dahalo mpanafika anao dia ho hôtran'ny vovoka madinike,ary maro amin'ijay maseka no ho hôtran'ny mongo jay levogna. Hiseho tampoka jany, agnatin'ny fotôgna fohike. 6Ho avy aminao ao miaraka amin'ny kotrok'oragna, horohoron-tany, mandregnina be, miaraka amin'ny rivo-mahery sy tafio-drivotre, ary lelan'afo mandevogna an'i Yaveh.7Ho hôtran'ny nofe, fahitana amin'ny aligna jane: Ny andian-dahalon'ny firenena abiaby hiady hanohitra an'i Ariela sy ny ferovana maherine. Hanafika anajy areo ary ny fagnamafisany hanery anaje. 8Ho hôtran'ny lelahy tehinagna jay magnonofy mihinagna, kanefa laha mifoha ijy dia fôgna ny kibone. Ho hôtran'ny olo mangetaheta hôtran'ny magnonofy mino-ndrano, kanefa laha mifoha ijy dia vijake, sady tsy afa-ketaheta. Eka, ho hôtran'ijany ny firenena lehibe ambonin'ijay miady hanohitra ny tendrombohitra Ziona.9Atôvy talanjogna ny tegnanareo ka ôka ho gaga; tampeno ny masonareo ka ôka ho jamba! Ôka ho mamo, kanefa tsy amin'ny divay; ôka hivembegna, kanefa tsy amin'ny tôka. 10Fa i Yaveh efa nandraraka ny fagnahin'ny torimaso laligna taminareo. Efa nagnirigna y masonareo ijy, ry mpaminagny, ary efa nandrakotra ny lohanareo, ry mpijere.11Ny fagnambarana abiaby taminareo diefa hôtran'ny soratra amin'ny boky jay vôtombo-kase, jay mety hamen'ny olo ny raika amijay nampenarina, Ka hatao hoe: "Vakio toy." Ijy koa dia manao hoe: "Vakio toy." Ijy koa dia manao hoe: "Tsy ajoko atao, satria vôtombon-kase toy." 12Laha omena ny raika jay tsy mahay mamaky ny boky, ka hatao hoe: "Vakio toy," dia ijy hanao hoe: "Tsy mahay mamaky aho."13Ny Tompo nanao hoe: "Magnantogna Anahy amin'ny vavany ny vahôka ary mankalaja anahy amin'ny molo-dreo, kanefa lavitra Anahy ny fon-dreo. Ny fankalajan-dreo Anahy dia didin'ny olo jay nampenarina mandy. 14Noho jany, ito, hivôka hanao java-mahagaga eo amin'ny vahôka Aho, fahagagana arahina fahagagana. Ho fôgna ny fahendren'ny olon-kendrin-dreo, ary hanjavogna ny fahajaran-tsain'ny olo mahin-dreo."15Lojan'ijay mamony laligna ny fikasany amin'i Yaveh, sy jay miasa agnatin'ny hejigna ao. Hoy areo hoe: "Ija moa no mahita anay, ary ija no mahalala anay?"16Mampitsimbadi-draha anareo! Tokony haverigna ho tanimanga ve ny mpagnano tavy, ba hahafahan'ny raha ijay namboarina mijaka mahakasika anaje jay nagnambotra anijany hoe: "Tsy nagnano anahe ijy," na ny raha nivolavolaina hijaka momba ny namolavola anajy hoe: "Tsy mahay ijy?"17Vetivety mandy, dia ho lasa saha i Libanona ary ny saha ho ala. 18Amin'ijany andro jany dia haharegny ny lajaiin'ny boky ny amenaragna, ary ny mason'ny jamba dia hahita amin'ny hejim-pito. 19Ny ory dia hifaly amin'i Yaveh koa, ary ny mahantra amin'ny olo eo dia hifaly amin'Iray Masin'ny Israely.20Fa ny maseka dia hegnina, ary ny mpaniratsira dia hanjavogna. Ny abiaby jay tia manao ratsy dia ho fôgna, 21amin'ny mesa no hangalana ny olo amin'ny mpagnano ratsy. Mametraka fandrika hônaje jay mandremby ny marina amin'ny vady fehijay areo.22Noho ijany dia ijao no lajain'i Yaveh mahakasika ny ankohonan'i Jakoba_Yaveh, jay nagnavotra an'i Abrahama: "Tsy ho megnatra koa i Jakoba, hivaloarika ny tarehine. 23Kanefa laha mahita ny janagny ijy, jay asan'ny tagnako, dia hagnamasigna ny agnarako areo. Hagnamasina ny agnaran'iray Masin'i jakoba areo ary hijoro amin-tahotra an'Adremanitr'uiIsraely. 24Jay rehetra mivily fagnahy dia bola hahajo fahajavan-tsaigna, ary ny mpitaraigna dia hahajo fahalalana."
Chapter 30

1"Loja hôn'ny jaja maditre," jany no fagnambaran'i Yaveh. "Manao fikasana areo, fa tsy avy aminahe; manao fihavanana amin'ny firenena hafa areo, fany tsy natoron'ny fagnahiko lalagna, ka dia magnampy fahotana omban'ny fahotana areo. 2Mivognona ny hidigna handeha agny Egypta areo, nefa tsy nangataka ny toro-lalako. mandremby ferovana hatamin'i Farao areo ary mialoka amin'ny alok'i Egypta.3Noho jany dia ho megnatra ary anareo amin'i ferovan'i Farao, ary ny felofana eo amin'ny alok'Egypta, ho fahafaham-barakanareo, 4na dia agny Zoana aja ny andrian-dreo, ary avy tagny Hanesa ny mpitondra hafané. 5Ho megnatra aby ijy abiaby nohon'ny amin'ny vahôka raika jay tsy afa-magnampy an-dreo,jay sady tsy fagnampena no tsy famonjena, fa hegnatre, ary fahafaham-baraka mihintsy aja."6Fanambarana momba ny bibidian'i Negeva: Hatamin'ny tanin'ny fahorena sy loja, liogna vavy sy liogna lahy, ny amenaragna sy ny bibilava mirehitra magnembogna, no hitondran-dreo ny hareny an-damosignin'ny boriky, ary ny rakiny amin'ny vohon'ny rameva eo, hômin'ny vahôka jay tsy afa-magnampy an-dreo. 7Fa tsisy dikany ny fagnampen'i Egypta; noho jany dia nangihako hoe Rahaba ijy, jay mipetraka tsy mihontsigna.8Mandihana jao, soraty eo amin'ny fagnatrehan-dreo amin'ny vato fisaka jane, ary reketo agnaty taratasy, ba ho vôtahiry hômin'ny andro ho avy ho fijorôna vavolombelogna. 9Fa vahôka mpigafy areo, jaja mpivande, jaja jay tsy ba haharegne fampenaran'i Yaveh.10Hoy areo amin'ny mpijery hoe: Aaja mahita;" ary amin'ny mpaminagny hoe: "Aja maminagny ny marina aminay; milajà jaka mandoka aminay, maminania nofinofe. 11Mihodigna hiala amin'ny lalagna, mivilia amin'ny lalagna; atôvy miegnina mijaka agnatrehan'ny tarehinay eo ny Iray Masin'Israely12Noho jany dia hoy ny Iray Masin'Israely hoe: "Satria mandà jao jaka jao anareo ary matoky ny fampahorena sy fitaka ka mentehitra amin'ijane, 13kijany fahotana jany dia ho hôtran'ny fitôvana vaky jay vognona ny hotrotraka aminao, hôtra ny tretre amin'ny rindrigna ambony jay ho tampoka ny filavône, agnatin'ny fotôgna fohike."14Ho vakina hôtran'ny fahavakisan'ny lovian'ny mpanefy tanimanga jane; tsy hiaro anijane ijy, ka tsy hisy potigne ho hita amin'ny vakiny jai ajo hangalana ny afo avy am-patagna, na handoarana ny rano hatamin'ny siniben-drano.15Fa jao no lajain'ny Tompo Yaveh, ny Iray Masin'Israely: "Ho avotra amin'ny fiveregnana sy fegnenana anareo; amin'ny fahanginana sy fatokena no ho herinareo. Nefa tsy nanam'pinniavana anareo. 16Hoy anareo hoe; 'Tsiare, fa hilefa amin'ny sôvaly ahay,' ka dia hilefa anareo; ary, 'Hideba sôvaly malaky fandeha ahay,' ka dia ho malaky fandeha jay magnenjika anareo.17Arivo no hilefa noho ny fampatahoran'ny rauka; amin'ny fampatahoran'ny dimy no hilifanareo ambara-peven'ny sisa mivela aminareo ho hôtran'nt tôlan-jojoro an-tampon-tendrombohitre, na hôtran'ny zozoro amin-karagna."18Fa bola mandigny ny hamindra fo aminareo Yaveh, noho jany dia vognona ny haneho fentrana aminareo ijy. fa Yaveh dia Andremanitry ny rarine; sambatra jay rehetra mandigny Anaje. 19Fa hisy vahôka honigna agny Ziona, agny Jerosalema, ary tsy hitomagny koa anareo. Hamindra fo amin'ny feon'ny fitaregnanareo marina Ijy. Laha regniny jany, dia hamaly anareo Ijy.20Na dia magnome anareo ny mofon'ny ady sarotra sy ny ranon'ny fampahorena aja Yaveh, na dia jany aja, dia tsy hivony koa ny mpampianatrareo, fa hahita ny mpampianatrareo amin'ny masonareo mihintsy anareo. 21Ny sofignareo haharegne jaka hataminareo hanao hoe: " Itoy no lalagna, amin'toy mandeha," na mivily hômin'ny ankavanana na hômin"ny ankavia anareo.22Ho zimbaazimbainareo ny sary vôsolitrareo jay nirakofana volafotsy sy ny sary agn'idigna volamena. Harenareo hôtran'ny vorodamban'ny fadimbolagna jane. Hijaka amin'igne anareo hoe: "Mialà teto."23Hagnome erika hôn"ny volinareo Ijy laha mamafy amin'ny tany anareo, ary mofo mitobaka avy amin'ny tane, ary ny vokatra dia hitobaka. Amin'ijany andro jany dia hihinagna egny amin'ny ahitra midadasika ny biby fompenareo. 24Neomby sy ny boriky, jay miasa tane, dia hihinagna ny vôisy sira jay nikororohina tamin'ny angady sy angady lapelila.25amin'ny tendrombohitra ambony abiaby sy ny haragna ambony abiaby, dia hisy lohasahan-dreke handeha ary rano mandeha, amin'ny andron'ny famonôna lehibe jay hilavôn'ny tilikambo. 26Hanjary hôtran'ny fahajavan'ny masoandro ny fahajavan'ny volagna, ary ,y fahajavan'ny masoandro dia hamiratra impito avo-heny hôran'ny tara-masoandron'ny andro fito. Hamatotra ny fanorotorôna ny olony Yaveh ary hampahafaka ny ferin'ny nadratrany an-dreo.27Ito, ny agnaran'i Yaveh dia avy lahatamin'ny toerana lavitra, mirehitra amin'ny fahavignirany sy setroka matevigna. Feno fahavignirana ny molone, ary ny lelany dia hôtran'ny afo mandevogna. 28Ny fofognaigny dia hôtran'ny fikijan'ny rieke jay mahatratra hatamin'ny tenda kele, ba hanivagnana ny firenena amin'ny sivan'gny fandringanana. Ny fofognaigny dia hihisatra amin'ny valagnoran'ny oo ba hampirenireny an-dreo.29Hanagna hira hôtran'ny amin'ny aligna hitandremana ny firavoravôna masigna anareo, ary firavoravônam-po, hôtran'ny amin'ny fandihan'ny antsodigna hôtendrombohitr'i Yaveh, hômin'ny vatolampin'Israely.30Hatan'i Yaveh regny ny famirapiratan'ny feony ary hasehony ny fiofagnan'ny sandriny amin'ny fahavignirana mirehitra sy lelan'afo, amin'ny tafio-drivore, oram-baratra, ary havandra.31Fa amin'ny feon'iYaveh, dia holavo i Asyria; hamely an-dreo ny amin'ny tehigna Ijy. 32Ny fioka abiaby amin'ny tsora-kajo vôtondron'jay hapetrak'i Yaveh amin-dreo dia herahan'ny feon'aponga tapaka sy valiha am-pitolognany sy hiediany amin-dreo.33Fa misy toerana fagnorôna vôomagna hatramin'ny ela. Eka marina, vôomagna hôn'ny mpanjaka jane, ary nataon'Andremanitra laligna sady malalake. Efa vognona amin'ny afo sy hitay rahabe ny nemijane. Ny fofognaign'i Yaveh, hôtran'ny fandriky ny solifara, dia handrehitra anijane.
Chapter 31

1Loja hôn'y jay midigna a Egypta hila vonjy sy mentehitra amin'ny sôvaly, ary mitoky amin'ny kalesa (fa rahabe jay) ary amin'ny mpideba sôvaly ( fa tsy vôisa areo). Nefa ts ba mendrandra ny Masin'Israely, na mandremby an'i Yaveh areo! 2Kanefa hendry Ijy, ary hitondra loja Ijy ka tsy hagnafôgna ny jakane. Hitsangagna hanohiitra ny mpamonjin'ijay manota Ijy.3Olo i Egypta fa tsy Andremanitre, nofo ny sôvalin-dreo fa tsy fagnahy. Laha manjijitra ny tagnany Yaveh, ny olo jay mamonjy dia ho tafantohigna, ary ny olo jay vonjena dia ho lavo; samy hiaraka ho faty areo.4Ijao no lajain'i Yaveh aminahe: "Hôtran'ny liogna, na ny jana-diogna, mirogna amin'ny rembiny, laha angihana hanohitra anijany ny andian'ny mpiambigna ondry, dia tsy ba hangorohoro amin'ny feon-dreo jane, na hikisaka amin'ny fihorakora-dreo; dia hôtran'jany no hidignan'i Yaveh Tompon'ny rehetra handrembe an-tendrombohotr'i Ziona, amin'ijany haragna jane.5Hôtran'ny vorogna magnomba, no herovan'i Yaveh Tompon'ny rehtra an'i Jerosalema; hiaro sady hamonjy Ijy laha mandalo amijany ary magnatsary anijane. 6Mipodiana Aminaje jay efa nihodignanareo efa ela, a vahôkan'Israely. 7Fa amin'iany andro jany ny tsirairay aby dia hangala ny sampy volafotsy sy ny sampy volamena jay natan'ny tagnanareo tamim-pahotana mandy.8Ary ny Asyriana ho lavon'ny mesa jay tsy ba an'olombelogna no handringagna anaje. Die hilefa ny mesa ijy, ary ny tanorany hampanôvina fanompôna mafe. 9Ary ijy die very fahatokisana nohon'ny fatahorana, ary ny mpanapaka anajy hivadi-po agnatrehan'ny fanevan'i Yahweh-Ijany dia fagnambarana natan'i Yahweh- Jay managna ny afone a Ziona sy ny fatagny fagnorôna a Jerosalema ao.
Chapter 32

1Ito, ny mpanjaka dia hanjaka amin'ny fahamarinana, ary ny andren-dahy dia hanapaka amin'ny rarine. 2Ny tsirairay aby dia ho hôtran'ny findognana amin'ny rivotra ary ho findognana amin'ny kotroke, hôtran'ny ranovelogna amin'ny toerana maigna, hôtran'ny aloky ny vatolampy lehibe agny amin'ny tanin'ny faharerahana. 3Sady ny mason'jay mahita dia hijery tsara, ary ny sofigin'jay maharegny dia hiteno tsara.4Ny kely fisaignana dia hihevitra tsara amin'ny fahajavan-tsaigna, ary ny mibadabada dia hahay hijaka mahitsy tsara. 5Nedala dia tsy ho hantsoina hoe mendrike, na ny mpamitaka hihajaina. 6Fa nedala dia hijaka fahadalana, ary ny fony dia hanao teti-dratsy sy hanao asa metsaravelatsihy, ary hijaka diso hanohitra an'i Yaveh ijy. Hatehinagna ny tehinagna ijy, ary hahalasa ny mangetaheta tsy hanagna raha hinomina.7Ratsy ny fomban'ny mpamitake. Mihevitra teti-dratsy ijy ba hanimbàna ny mahantra amin'ny vande, na dia milaja jay marina aja ny mahantra. 8Fa ny olo mendrika koja dia magnano tetika mendrika; ary noho ny tetigny mendrika dia hahomby ijy.9Mitsangàna, a viavy tsy managno-sarotre, ary tenoy ny feoko; ry viavy tsy mivaky loha, tenoy Aho. 10Fa afaka heritaogna farafahakeliny dia ho rava ny fahatokisanao, ry viavy tsy mivaky loha, fa tsy hisy ny fangalam-bôloboke, tsy ho avy ny famorôvorôna.11Mangorohoroa, a viavy tsy managno-sarotre; ôka hangorohoro, anao jay matoky; alay ny akanjo manifinao ary ôka anao hiorida; ary asio lamba fisôgnana ny valahagnao. 12Hidradradradra amin'ny saha mahafinaritra anao, hôn'ny vôloboka be vône. 13Ny tanin'ny vahôkako dia ho rakotrin'ny tsilo sy ny hery, eka fa na dia ny amin'ny tragno mahafaly abiaby amin'ny tanànan'ny firavoravôna ao aja.14Fa ny lapa dia hafoe, ny tanàna feno vahôka dia ho fôgna; ny haragna sy ny tilikambo dia ho lava-bato mandrakijay, fifalena hôn'ny boriky dia, ahi-metso hôn'ny ondry sy osy; 15mandra-pilatsahan'ny fagnahy hatami'ny avo amitsena, ka ny tany efitra fia ho lasa saha mamokatre, ary jay saha mamokatra dia heverina hôtran'ny ala.16Ary hipetraka amin'ny tany efitra ny rarine; ary ny fahamarinana hipetraka amin'ny saha mamokatre. 17Ny asan'ny fahamarinana dia ho fedanana; ary ny vokatry ny fahatokisana, dia fahanginana sy fahatokisana mandrakijay. 18Ny vahôkako dia hipetraka ao amin'ny fipitrahan'ny feno fedanana, ao amin'ny tragno ajo antoke, ary ao amin'ny toerana mangingigna fangalana aigna.19Kanefa laha misy havandra dia ho simba ny ala, ka dia ringagna tanteraka ny tanàna, 20anao jay mamafy marivo ny onja dia ho vôtahe, anao jay mamôka ny aombinao sy ny borikinao ba hihinagna.
Chapter 33

1Loja hônareo, jay mpandrava jay tsy bola niravàna! Loja hôn'ny mpamadika jay tsy bola nivadihan-dreo! Laha miegnina amin'ny famotehana anareo, dia hipotehhina! Laha megnina amin'ny famadihana anareo, dia hivadihan-dreo.2Ry Yaveh, mamindrà fo aminay; mandigny Anao ahay; ôka ba ho sandrinay isa-maraigna, ary famonjena amin'ny andro fahorena.3Agnatin'ny feo mare no hilifan'ny olo; Laha mitsangagna Anao, dia miparitaka ny firenena. 4Nalevigna hôtran'ny valala nivorivory ny gadranao; hôtarn'ny fitangorognan'ny andiam-balala, no hitangorognan'ny olo amijane.5Nasandratra i Yaveh. Mipetraka amin'ny toerana ambony indrindra Ijy. Hifenoiny amin'ny fitsaràna sy fahamarinana ny Ziona. 6Ho filaminana amin'ny fotôgnareo Ijy, famonjena be, fahendrena, ary fahalalana; ny fahatahorana an'i Yaveh no harenane.7Ito, ny irakan-dreo mitarigna an-dalagna; mitpmagny mahare ny iraka magnantegna fedanana. 8Fôgna ny lalam-be; tsisy mpandeha koa. Rava ny fagnekena, nitsinotsiniavin'ny vavolombelogna, sady tsy vôhaja ny maha olombelogna.9Misôgna ny tany ary mitolefike; megnatra Lybanona ary karakaigna; Saràna die hôtran'ny lemaka maigna; ary magnintsagna ny ravigne i Basana sy Karmela.10"Ankehitriny hitsangagna Aho," hoy Yaveh; "ankehitriny hasandratra Aho; ankehitriny hoegny amin'ny avo Aho. 11Manorotoro ny vômbary anareo, ary miteraka mololo; afo mandevogna anareo ny fofognain'gnareo. 12ho may ny olo, hôtran'ny tsilo nitapahina sady nirôna.13Anareo jay lavitra, tenoy jay efa natako; ary; anareo jay marivo, ekeo ny heriko." 14Matahotra ny mpanota a Ziona; fangorohorôna no efa nahajo ny mpetsara velatsihy. Ija amitsena no afaka hegnina amin'ny afo mandevogna? Ija amitsena no afaka hegnina amin'ny firihetana mandrakijay?15Ijy ny mandeha amin'ny fahamarinana sy mivoria am-pahatsorana; Ijy no nagnafôgna ny tombon'ny fampahorena, jay mandà ny handray kolikoly, jay tsy magnano teti-dratsy,heloka bevava, fandatsahan-drà, ary tsy mandremby ny ratsy__ 16hatane amin'ny ambony indrindra ny fonegnane; ny toerana fembenany dia ho ferovana mahery amin'ny harambato; ny rahaniny sy ny ranony dia ho feno fagnomejana.17Ny masonareo dia hahita ny mpanjaka amin'ny hatsarane; hitsinjo tany malalaka areo. 18Ho tsarôn'ny fonareo ny horohoro; aja ny mpanoro lalaàna, aja ijy jay nandanja ny vola? Aja ijy jay nagnisa ny tilikambo? 19Tsy hahita ny olo mpanohitra anareo koa anareo, olo hafa fijaka,a jay tsy takatrareo.20Jereo Ziona, ny tanànan'ny fankalajan-tsena; hahita an'i Jerosalema hôtran'ny mponina milamigna ny masonareo, Jay tsy ba halaina, jay tsy ho vôala mihintsy ny tsato-kajony na ho tapaka ny kofehine. 21Fa koja, homba amin-kery amintsena i Yaveh, agny amin'ny toerana amoron'gny ony sy lakan-drano. Tsy hisy sambo voejina handeha amijane, ary tsy hisy sambo angeja be hamakivaky jane.22Fa Yaveh no mpitsara an-tsena, Yaveh no mpagnome lalàna an-tsena, Yaveh no mpanjakan-tsena; ary hamonjy an-tsena Ijy.23Miraviravy ny fagnodikodignanareo; tsy afaka hitagna ny hajo lava amin'ny toerany areo; tsy afaka hagnaparitaka ny lay areo; laha nijaraina ny vôgadra angeja be, na dia ny manan-kilema aja hanintogna ny vôgadra. 24Tsy hilaja ny mponigna hoe: "Marary aho;" ny olo jay mipetraka agny dia ho vôvela amin'ny heloka areo.
Chapter 34

1Magnantògna marivo, anareo a firenena; ary mitenoa, mifantoha, anareo a vahôke! Ny tany sy jay mameno anijany dia tsy mentsy miteno, ijao tontolo ijao, sy ny raha abiaby hatamin'ijane. 2Fa vignitra amin'ny firenena abiay Yaveh, ary vignitra amin'ny tafikan-dreo abiaby; nandrava an-dreo tanteraka Ijy, nanolotra an-dreo tan-tagnan'ny mpanompo Ijy.3Ny vata-mangatsekan'ny maty dia hatsipy ivelany agne. Ny fofogna membon'ny faty dia ho regny egne; ary ny tendrombohitra ho vonton'ny ràn-dreo. 4Ho levogna aby ny kintan'ny lagnitre, ary ny lagnitra dia hihorogna hôtran'ny horogna; ary ny ravigna jay malajo mihintsagna ami'ny tahom-bôloboke, sy hôtran'ny aviavy lo mihintsagna amin'ny hajon'aviavy.5Fa laha mamon'ny ràny an-dagnitra ny mesako; ito, ankehitriny hidigna agny Edoma jane, amin'ny vahôka jay hatokako amin'ny fandravana. 6Ny mesan'i Yaveh dia mitete rà sy feno tave, mitete ràn'ny janak'ondry sy ny osilahy, feno ny tavin'ny vôn'ondrilahy. Fa managna fagnatitra a Borza sy famonôna lehibe amin'ny tanin'i Edoma i Yaveh.7Hivonina miaraka amin-dreo ny aombidia sy ny vantotr'aomby miaraka miaraka amin'ny efa antitre. Ny tanin-dreo dia ho mamon-drà, ary ny vovgny dia matavin'ny hangijana.8 ho andro famalen'i Yaveh jany sy ho taogna hamalena nemin'i Ziona. 9Ny gororo-dranon'i Edoma dia hanjary dity , ny vovokany ho solifara, ary ny taniny hanjary dity rehitre. 10Hirehitraandro aman'aligna jane; ny setrok'ijanay dia haharitra mandrakijay; amin'ny taranaka mifandimby dia ho tany mafy jane; tsy hisy olo handalo amin'ijany mandrakijay doria eo.11ny vorondia sy bibidia no hipetraka agne; ny hora sy goika na hambôtra ny tragnony amin'ijany. Ary hihenjagniny amin'ijany ny tady fandrefesan'ny fahapotehana sy fantson-drano fandravana. 12Ny olo-mendri-kajany dia tsy hanagna raha hivela hatao hoe fanjakana, ary ny andrendahy abiaby dia hitsinotsiniavina.13Fantsy no hairy amin'ny lapany eo, vôroe sy amiana no amin'ny tragno ferovane. Ho fipitrahan'ny amboadia jane, sy fipitrahan'ny ostritsa. 14Ny bibidia sy ny pisodia no hihaogna agne, ary ny osidia no hifagnantso agne. Ny biby aligna no hagnorim-ponegnana agny ka hahita toeram-pelana vijaka hôn-dreo. 15Ny hora hambôtra tragno, hagnatody sady hifana netodine, hifana sady hiaro janagne. Eka, agny no hivorôvorôn'ny tsipara, ny tsirairay miaraka amin'ny nekamany aby.16Rombejo amin'ny karajan-taratasin'i Yaveh; fa tsisy raika aminio tsy ho ao. Tsisy tsy hanagna akama; fa ny vavany no mandidy anijane, ary ny fagnahiny no mamory an-dreo. 17Nagnano filokana hôn'ny toeran-dreo Ijy ary ny tagnany nandrefy anijany tamin'ny tady hôn-dreo. Ho tompon'jany mandrakijay areo; hatamin'ny taranaka faramandimby no hitoeran-dreo agne.
Chapter 35

1y tany efitra sy karaikaigna dia hifalifale; ary ny tani-hay hifaly sy hamogne. Hôtran'ny rôjy, 2hamogny rahebe ary hifaly amin'ny fifalena sy ny hirahira; ny voninahitr'i Libanona dia hame anijane, ny hatsaran-tarehin'i Karmela sy Sorona; hahita ny voninahitr'i Yaveh an_dreo, ny famirapiratan'Andremani-tsena.3Ampaherejo ny tagnana miravirave, ary atanjo ny lohalika mangorohoro. 4Jakay amin'ny reraka am-po hoe: "Mahereja, aja matahotra! Ito, ny Andremanitrareo ho avy miaraka amin'ny famalena, dia ny famalen"Andremanittre. Hoavy Ijy sady hamonjy anareo."5Dia hahiratra ny mason'ny jamba, ary haharegne ny sofin'gny maregnina. 6Dia hitsambikigna hôtran'ny diera ny olo mandringa, ary ny lelan'ny môgna dia hihira, fa hivôka hatamin'ny tany maigna be ny rano, ary ny loharano agny an'gnefitre. 7Hanjary farihy ny fasika magnoro, ary ny tany mangetaheta ho lasa loharano miboiboike; amin'ny fipitrahan'ny amboadia, jay itoeran-dreo taloha, dia ho feno ahitra volotara sy zozro.8Ny lalam-be agny dia hangihana ho Lalagna Masigna. Tsy handeha amin'ijany ny maloto. Fa jany dia natao hôn'ijay mandeha amin'ijane. 9Tsisy adala handeha amin'ijany. Tsy hisy liogna agny, tsy hisy biby maseka amin'ijany; tsy ho hita ao areo, fa areo jay vôvonjy no handeha ao.10Hiverigna ny vidim-pagnavotan'i Yaveh ary ho avy agny Ziona amin'ny fihirana, ary fifalena mandrakijay no hôndohan-dreo; hahajo fifaliena sy firavoravôna areo, hilefa ny alahelo sy ny fisentôna.
Chapter 36

1Tamin'ny taogna fahefatra ambin'ny folo nanjakan'ny Hezekia mpanjaka, Sankeriba, mpanjakan'i Asyria, die nanafika ny tanàna abiaby amin'ny madan'i Joda sady nampigadra an-dreo. 2Dia nalefan'ny mpanjakan'i Asyria hatagny Lakisa hô Jerosalema hômin'i Hezekia mpanjaka ny lehibe mpifehy miaraka amin'ny tafika lehibe. Nampifagnantogna ny lakan-dranon'ny farihy ambony ijy, amin'ny lalam-be mandeha amin'ny sahan'ny mpanasa lamba, ary nitsangagna tamin'ijane. 3Ny manam-pahefana Israelita jay nivôka ivelan'ny tanàna ba hivoria amin-dreo die i Eliakima janaka lahin'i Hilkia, ny mpampandeha ny lapa, Sebna mpitan-tsoratrin'ny mpanjaka, ary Joa janaka lahin'i Asafa, jay nanoratra ny fanapahan-kevitrin'ny governemanta.4Nijaka tamin-dreo ny lehibe manam-pahefana hoe: "Lajao amin'ny Hezekia fa ny mpanjaka lehibe, mpanjakan'i Asyria, dia mijaka hoe: Ino loharanon'ny tokinareo?" 5Tsy mijaka afa-tsy jaka tsy die ilaina anareo, milaja fa misy torohevitra sy hery amin'ny ady. Amijao die amin'ija no itokisanareo? Ija nankahery anareo tsy hety ka hanohitra anahe?6Ito, matoky an'i Egypta anareo, jay volotara misitraka jay ampesainareo hôtran'ny tehigna, fa laha mientehitra amin'ijany ny olo raika, dia hifikitra amin'ny tagnany ka handefogna anajy jane. Hôtran'ny jany i Farao mpanjakan'i Egypta amin'ny olo jay matoky anaje. 7Fa laha mijaka aminahy anareo hoe: "Matoky an'i Yaveh Andremanitray ahay," tsy anajy ve ny toerana ambony sy ny alitara jay nalain'i Hezekia, ary efa nijaka tamin'i Joda sy Jerosalema hoe: "Menkohofa alohan'itoy alitara a Jerosalema toy"?8Ary amijao, magniry ny hagnano fagnomejana tsara hônao hatamin'ny mpanjakan'i Asyria aho. Hagnome anao Sôvaly roa arivo aho, laha hôtra ka mahavita mandremby mpideba hôn-dreo anao."9Ahôna no ahafahanao manohitra na ny kapiteny raika jay kely indrindra amin'ny mpanompon'ny tompoko? Nametraka ny fahatokisanareo tamin'i Egypta nohon'ny kalesa sy ny mpideba sôvaly anareo! 10Ary amijao, sa nandeha tatoy tsy niaraka tamin'i Yaveh ba hiady hanohitra anitoy tany toy sady handrava anijany ve aho? Hoy Yaveh taminahe,"manafiha anitoy tany toy sady ravao jane.""11Ary Eliakima janaka lahin'i Hilkia, sy Sebna, ary Joa nijaka tamin'ny lehibe manam-pahefana hoe: "Mijaka regny amin'ny mpanomponao amin'ny fijakana Syriana, Aramaika, ba hajahônay anijane. Aja mivoria aminay amin'ny fijakan'i Joda an-sofin'gny vahôka jay amin'ny manda." 12Fa hoy ny lehibe manam-pahefana: "Sa nandefa anahy ba hijaka jay jaka jay hoagny amin'ny tomponao sy hoagny aminao ve ny Tompoko Tsy nandefa anahy hoagny amin'ny lelahy jay mipetraka amin'ny manda ijy, jay hihinagna ny malotone sy hinogna ny amaniny mandy miaraka aminao?13Ary nitsangagna ny lehibe manam-pahefana sady nihieka tamin'ny feo mahare tamin'ny fijakan'ny Jiosy, mijaka hoe: "Mitenoa ny jakan'ny mpanjaka lehibe, mpanjakan'i Asyria. 14Hoy ny mpanjaka: "Aja mety hifitahin'i Hezekia anao, fa tsy afaka ny hagnavotra anai ijy. 15Aja avela hampatoken'i Hezekia amin'i Yaveh anao, jay mijaka hoe; "Hamonjy anay tokôtra i Yaveh, tsy hagnome hôn-tagnan'ny mpanjakan'ny Asyria itoy tanàna toy.16Aja miteno an'i Hezekia fa jao no lajain'ny mpanjakan'i Asyria: "Mihavana aminahy ary magnantogna anahe. Ary ny tsirairsy aminareo dia hihinagna hatamin'ny vôlobogny sy hatamin'ny hajo aviavin'ny mandy, ary hinogna ny rano agnatin'ny fisy ranony mandy. 17Ijany no atanareo hômin'ny tany hôtran'ny taninareo hiany, tanim-bary sy tanin-divay vôvao, tanin'ny mofo sy tanim-bôloboke."18Aja mamela an'i Hezekia hamitaka anareo, mijaka hoe: "Yaveh no hamonjy atsena". Sa nisy tamin'ny andremanitrin'ny vahôka ve ka nahavonjy an-dreo hatamin'ny tanin'ny mpanjakan'i Asyria? 19Aja n'Endremanitri' Hamata sy Arpada? Ary aja mandy koa n'Endremanitr'i Sefarvaima? Sa ve nahavonjy an'i Samaria tamin'ny heriko areo? 20Tamin'ny andremanitra abiaby teto amin'ny tane, sa nisy andremanitra nahavonjy ny taniny tamin'ny heriko ve? Hôtran'ny hoe afaka mamonjy an'i Jerosalema amin'ny heriko ve i Yaveh?21Fa ny vahôka negnina nangigna sady tsy nisy namaly, fa jany ny didin'ny mpanjaka hoe: "Aja mamaly anaje." 22Ary i Eliakima janaka lahin'i Hilkia jay lehiben'ny ankohonana, sy Sebma mpanora-dalàna, ary Joa janaka lahin'i Asafa, mpitagna ny raharaham-panjakana, dia nagnantogna an'i Hezekia miaraka amin'ny akanjony rota, ary nitantara tamin'ny tenin'ny lehibe manam-pahefana.
Chapter 37

1Laha regnin'i Hezekia Mpanjaka ny tatitran-dreo, dia nandrota nekanjony ijy, ka nandrakotra ny tegnany tamin'ny akanjo fisôgnana, sady nandeha tan-dragnon'i Yaveh. 2Ijy dia nagniraka an'i Eliakima, jay lohan'ny ankohonana, sy Sebna mpanora-dalàna, ary ny lohan'ny mpisorogna, samy nilombogna akanjo fisôgnana aby, handeha amin'i Isaia mpaminagny, janak'i Amoza.Hoy areo taminaje: "Hoy i3Hoy areo taminaje: "Hoy i Hezekia hoe: ' Itoy andro toy dia andron'ny fahorena, fijakajakana, ary fagnalam-barake, hôtran'n jaja efa ho terake, nefa endriny die sy managna hery hiterahana ny janagne. 4Mety ho regnin'i Yaveh Andremanitrao hiany no jakan'ny lehibe mpifehe, jay nirahin'ny mpanjakan'i Asyria ba hangaika an'Andremanitra velogna, ka hijaka mahare ny jaka jay regnin'i Yaveh Andremanitrao. Amin'ijao dia asandratro hôn'jay bola mivela eto vavakao."'5Ka nandeha amin'Isaia ny mpanompon'i Hezekia mpanjaka, 6ary hoy i Isaia tamin-dreo: "Lajao amin'ny tomponareo hoe: "Aja matohatra ny jaka jay efa regninao, iajytamin'ijany no nanevatevan'ny mpanompon'ny mpanjakan'i Asyria anahe. 7Ito, hametraka fagnahy aminao ao aho, ary haharegne ny tatitra sasagny ijy ka hipody amin'ny tainy agne. Hatako lavon'ny mesa amin'ny taniby agny mandy ijy.""8Ary nipody ny lehiben'ny mpitarika ka nahita ny mpanjakan'i Asyria niady tamin'i Libna, fe efa regniny fa niala ta-Lakisy ny mpanjaka. 9Ary regni'i Senkeriba fa nihetsika niady aminaje i Tiraka mpanjakan'i Etiopia sy Egypta, ka nagniraka mpitondra hafatra miaraka amin'ny hafatra tagny amin'i Hezekia ndraika ijy: 10"Jakay amin'i Hezekia, mpanjakan'i Joda hoe: 'Aja avela handiso fagnantenana anao ny Andremanitrao jay itokisanao, manao hoe: "Tsy hatolotra an-tagnan'ny mpanjakan'i Asyria i Jerosalema."11Ito, efa regninareo jay natan'ny mpanjakan'i Asyria tamin'ny tany abiaby tamin'ny fandravana an-èdreo tanterake. Ka ho vôvonjy ve anareo? 12Sa ve namonjy an-dreo andremanitry ny firenena, dia ny firenena jay niravain'ny rajambeko: Gozana, Harana, Razefa, ary ny vahôkan'i Edena ta-Telasara, 13Aja ny mpanjakan'i Hamata, mpanjakan'i Ardapa, mpanjakan'ny tanànan'i Sefarvaima, Hena, ary Iva?"'14Nandray ny taratasy tantagnan'ny mpitondra hafatra i Hezekia aary namaky anijane. Dia nandeha andragnon'i Yaveh ijy ary namelatra ijany talohane. 15Nivavaka tamin'i Yaveh i Hezekiala hoe: 16"Ô Yaveh Tompon'ny rehetra, Andremanitr'Israely, Anao jay monigna ambony Kerobima, Anao rery no Andremanitra amin'ny fanjakan'ny tany abiaby. Anao no nahary ny lagnitra sy ny tane.17Antogilagno ny sofignao, ry Yaveh, sady mitenoa. Sakafy ny masonao, ry Yaveh, ka jereo, ary tenoy jakan'i Sankeriba, jay efa nalefaky hagnesôna an'Andremanitra velogna. 18Marina jane, ry Yaveh, fa niravain'ny mpanjakan'i Asyria ny firenena abiaby sy ny tanin-dreo.19Efa natany tagnaty afo ny andremanine, fa tsy andremanitra igny afa asan-tagnan'olo, hajo sy vato hiany. Ka dia nipotehin'i Asyria igne. 20Ka amijao, ry Yaveh Andremanitray, vonjeo amin'ny heriny ahay, ba ho fantatrin'ny fanjakan'ny tany abiaby fa Anao rery hiany no Yaveh."21Ary nandefa hafatra tamin'i Isaia janak'i Amoza tagny i Hezekia, manao hoe: "Yaveh, Andremanitr'Israely magnano hoe: 'Satria efa nivavaka taminahy mahakasika an'i Sankeriba mpanjakan'i Asyria anao, 22dia jao ny jaka jay nilajain'i Yaveh ny momba anaje: "Manao tsinotsino sy mangala baraka anao ny janaka vavy virijin'i Ziona; mihifikifi-doha aminao ny janaka vave. Nagnantso sady naniratsira an'ija anao? 23Napiaka-peo sady nivandravandra tam-pireharehana tamin'ija anao? Tamin'Ny Masin'Israely.24Tamin'ny alalan'ny mpanomponao no nagnantsônao ny Tompo ary nanôvanao hoe: 'Tamin'ny haben'ny kalesako no nekarako tamin'ny haran'gny tendrombohitra, tamin'ny fekarana ambony indrindraan'i Libanona. Hifihiko ny sederany lava ary hifidiko ny hazon-kypreso agne, ary hampidirina amin'ny toerana ambony indrindra aho, dia ny alany mamoha be indrindra. 25Efa nangady lava-drano aho ary ninogna rano; Niritiko ny reniranon'i Egypta abiaby ambanin'ny faladian-kongotro.'26Sa ve tsy regninao ny namaritako annijane fotôgna rahabe lasa jay sy nanôvako anijany tamin'ny fotôgna taloha? Ary andako ba hitranga anijane. Eto anao ba handrava ny tanàna matanjaka ho lasa korotam-bato. 27Ny mponigne, tsy manan-kere, dia kivy sy afa-baraka. Voly an-saha agny areo, ahi-metso, ahitra ambony tafo na an-saha, melohan'ny rivotra hatan-tsignanana.28Fa fantatro ny fitobohanao, ny fivoahanao, ny fidiranao, ary ny havigniranao Aminahe. 29Nohon'ny havigniranao Aminahe, nohon'ny avognavognao jay nandalo tamin'ny sofiko, na dia hametrahakokavigna amin'ny orognao, ary ny lamboridiko amin'ny vavanao; haveriko agny amin'jay lalagna nevenao anao."30Ijao no ho famantarana hônao: Hihinagna jay magnirigniry fehijay anao amitoy taogna toy, ary jay magniry amin'ijany amin'ny taogna faharoa. Fa amin'ny taogna fahatelo dia tsy mentsy mamboly anao ary mambele, manôva tanim-bôloboka ary hano ny vokane.31Ny sisa amin'ny ankohonan'i Joda jay tsy maty dia hamaky sy hamokatra ndraike. 32Fa avy a Jerosalema no hivoahan'ny sisa; avy an-tendrombohitr'i Ziona ao ny tsy mate, Hambôtra ani'jany jotom-pon'i Yaveh Tompon'ny rehetra."'33Noho jany dia jao no lajain'i Yaveh momban'ny mpanjakan'i Asyria: "Tsy hiditra eto amin'itoy tanàna toy, na hanipy tsipìka eto ijy. Na ho alohan'ijany miaraka amin'ny ampinga na hangagna rindrigna fekarana amin'ijany ijy. 34Ny lalagna neveny hiany no ho lalagna helany; tsy hiditra amitoy tanàna toy ijy_jany no fagnambaran'i Yaveh.35Fa hiaro toy tanàna toy Aho ary hamonjy anijane, nohon'eminahy sy nohon'ny amin'i Davida mpanompoko."36Sady ny anjelin'i Yaveh dia nivôka ka nanafika ny tobin'ny Asyriana, nahafaty miaramila 185.000. Laha nifoha maraim-be ny lelahy, dia nitsirara tamin'ny toerana abiaby iony fatin'olo. 37Ka nandao an'Israely i Sankeriba mpanjakan'i Asyria ary nody tan-dragno ka nipetraka ta-Ninive.38Taty afara, laha bola nidera tan-dragnin'i Nisroka andremaniny ijy, dia namono anaje tamin'ny mesa i Andrameleka sy Sarezera janagny lahy. Avy eo dia niala tamin'ny tananan'i Ararata areo. Sady dia i Esara-hadona jangny no nanjaka tamin'ny toerane.
Chapter 38

1Tamin'ny adro ny i Hezekia dia narary mafy efa an-dalapahafatesana. Ka avy tamin'i Isaia janaka lahin'i Amoza, ny mpaminagny, ary nijaka taminaje hoe: "Ijaio no lajain'i Yaveh: 'Alamino ny tragnonao; fa ho maty anao, fa tsy ho velogna." 2Dia nagnodigna ny tarehiny nandeha amin'ny rindrigna i Hezekia sady nivavaka tamin'i Yaveh. 3Hoy ijy: "Ba tsarovy re ry Yaveh, ny nandihanako am-pahatokisana tamin'ny foko manontolo tagnatrehanao, sy ny nanôvako ny tsara tamasonao." Dia nitomagny mahare i Hezekia aviteo nigne.4Ary avy tamin'Isaia ny jakan'i Yaveh, manao hoe: 5"Mandihana sady lajao amin'i Hezekia, mpitarika ny oloko hoe: 'Jao no lajain'i Yaveh, nEndremenitr'i Davida rajambenao: Efa regniko ny vavakao, ary hitako ny ranomasonao. Ito, hagnampy dimy ambin'ny folo taogna amin'ny fiagnanao Aho. 6Dia hagnavotra anao sy toy tanàna toy amin'ny tanan'ny mpanjaka i Asyria Aho, sady hiaro toy tanàna toy.7Jao no famantarana hatamin'i Yaveh hônao, fa hatako jay nampanantenaiko. 8Ito, hampiverigna ny aloka amin'ny tohatr'i Ahaza ho folo dingagna eo Aho."" Ka niverigna ambaratonga folo ny tohatra tamin'ijay nihôtre.9Ijao no vavaka vôsoratr'i Hezekia mpanjakan'i Joda, laha narary ary nahafaka ijy: 10"Aho nilaja fa amin'ny antegnantegnan'ny fiagnako dia handeha amin'ny vavahadin'ny fiagnan-tsy hita aho; nalefatagny aho mandritran'ny taogna sisa hiagnako. 11Hoy aho hoe tsy hahita an'i Yaveh koa aho, Yaveh amin'ny tany velogna agne; tsy hijery ny olombelogna na ny mponin'ny tany koa aho.12Nalaina taminahy hôtran'ny lain'ny mpiambina ondry ny ainko; naforiporitro hôtran'ny rare ny ainko; manapaka anahy amin'ny fitôvana fandrarena Anao; antegnategnan'ny andro sy aligna Anao no manapitra ny ainko; 13Nihieka mahare mandra-maraigna aho; hôtran'ny liogna no famakeny ny tôlako abiaby. Antegnantegnan'ny andro sy aligna Anao no manapitra ny ainko.14Mikorekoreka hôtran'ny tsiditsidigna aho; mitoloky hôtran'ny voromailala aho; vijaka mendrandra ambony ny masoko. Ry Tompo, ory aho; ampio aho. 15Ino no tokony ho lajaiko? Sady nijaka ijy, no nagnatanteraka anijny taminahe; hamindra moramora amin'ny taogna hiagnako abiaby aho satria tototry ny alahelo.16Ry Tompo, ny fijalena nalefanao dia tsara hônahe; haverigna aminahy indraika anie ny ainko; namerigna ny ainko sy ny fahasalamako Anao. 17Tombontsoa hônahy ny niagnako alaheko hôtran'igne. Nagnavotra anahy tamin'ny hadin'ny faharavana Anao; efa nanipy ny fahotako abiaby ho agny an-damosignao Anao.18Fa tsy misotra anao ny fiagnan-tsy hita; tsy midera anao ny fahafatesana; ijay midigna agnaty hady dia tsy magnantegna ny fahamendreham-pitokisanao. 19Ny olombelogna, ny olombelogna, ijy no ray jay magnome fisôrana anao, hôtran'ny atako amin'itoy andro toy; ray mampahafantatra ny fahamendreham-pitokisanao amin'ny janake.20Eo andalam-pamonjena anahy i Yaveh, ary hankalaja amin'ny hira ahay amin'ny androm'piagnanay abiaby an-dragnon'i Yaveh ao."21Ary hojy Isaia: "Ôka areo hangala vongan'aviavy sady hametraka anijay amin'ny vay, dia hahafaka ijy." 22Hoy mandy koa i Hezekia hoe: "Ino no ho famantarana fa tokony hiakatra hôn-dragnon'i Yaveh aho?"
Chapter 39

1Tamin'jany andro jany Merodaka-baladana janaka lahin'i Baladana, mpanjakan'i Babylona, dia nandefa taratasy sy fagnomejana hôn'i Hezekia; satria regniny fa narary i Hezekia ary nahafake. 2Faly tamin'ny fagnomejana jay i Hezekia; nasehony an'ny mpitondra hafatra ny tragno fagnatsarejany raha sarobidy--ny volafotsy, volamena, ny java-magnitra ary menaka tsara, ny tragno fagnatsarejanny an'ny fitôvam'pediene, sy jay abiaby hita tamin'ny tragno fagnatsarejane, na tamin'ny fanjakany abiaby, ka tsy nasehon'i Hezekia an-dreo.3Avy teo Isaia mpaminagny avy tagny amin'ny Hezekia mpanjaka ary nagnotany anajy hoe: "Ino no lajain'ny olo igne aminao? Avy aja areo?" Hoy Hezekia hoe: "Avy aminahy eto hatamin'ny firenena lavitr'i Babylona areo." 4Dia nagnotany Isaia hoe: "Ino no hitan-dreo tan-dragnonao?" Namaly Hezekia hoe: "Hitan-dreo aby ny raha abiaby tan-dragnoko. Tsisy raha tamin'ny rahako sarobidy ka tsy natoroko an-dreo."5Dia hoy Isaia tamin'i Hezekia hoe: "Tenoy ny jakan'i Yaveh tompon'ny rehetra: 6'Ito, avy ny andro jay hitondrana ny raha abiaby amin'ny lapanao, ny raha jay natsarejin'ny rajambenao hatramin'ijao hô-Babylona. Tsisy hivela, hoy Yaveh.7Ny janaka lahy naterakao, jay efa nitejainao--ho alain-dreo, ary ho lasa tandapa amin'ny lapan'ny mpanjkan'i Babylona areo."' 8Avy teo Hezekia nijaka tamin'Isaia hoe; "Tsara ny resak'i Yaveh jay efa nivorianinao." Fa nihevitra ijy hoe: "Hisy fedanana sy fahamarinan-toerana amin'ny androko."
Chapter 40

1"Ampaherejo, Ampaherejo ny vahôkako," hoy ny Andremanitrareo. 2"Mivoriana mora amin'i Jerosalema; ary jakay aminajy fefa niegnina ny adine, fa vôvela ny helogne, fefa nandray avo roa heny tan-tagnan'i Yaveh ijy tamin'ny fahotany abiaby."3Nisy feo nangaika mahare hoe: "Omagno ny lalan'gni Yaveh agn'efitra agny; manôva lalam-be mahitsy amin'ny tany fôgnaagny hôn'Andremani-tsena." 4Ny lohasaha abiaby dia hasandratre, ary ny tendrombohitra sy ny haragna abiaby dia hakarina; ary ny tany mideza ho lembalemba, 5ary jay tany saro-dalagna hanjary lemake; ary ny voninahitr'i Yaveh dia hampahafantarina, ary vahôka abiaby hiara-hahita anijane; fa vavan'i Yaveh no nijaka anijane.6Nisy feo nanao hoe: "Antsoy." Nisy raika namaly hoe: "Ino no antso tokony atako?" "Ny nofo abiaby dia ahitre, ary fifagneken-dreo dia hôtran'ny vonikazo an-saha egne. 7Maigna ny ahitra ary malajo ny vokikazo laha mandrivotra aminajy eo ny fofognain'Andremanite; ajo antoka fa ahitra ny olombelogna. 8Maigna ny ahitra; malajo ny vonikazo, fa ny jakan'Andremani-tsena dia haharitra mandrakijay."9Mekara amin'ny tendrombohitra ambone, ry Ziona, mpitondra vôvao mahafale. Manandrata feo mahare, ry Jerosalema. Anao jay mitondra ny vôvao mahafale, asandrato ny feonao, aja matahotra. Lajao amin'ny tanànan'i Joda hoe: "Io no Andremanitrareo!" 10Ito, ny Tompo nivôka mpandresy, ary ny sandriny mahery no hanapaka hoanje. Ito, ny valisoany miaraka aminaje, ary jay navotany dia mzndeha alohany eo.11Hamahagna ny ondry sy osy hôtran'ny mpiambigna ondry Ijy, hamorivory ny ondry an-sandriny Ijy, ka hilanja ny am'pony ao, ary hitarika amin-katsaram-pagnahy ny ondry vavy mampinono ny janagne.12Ija no mandrefy ny rano tam'pelatagnane, nadre ny lagnitra tamin'ny jehin'ny tagnane, nitagna ny vovn-tany tagnaty tante, nandanja ny tendrombohitra tamin'ny fandanjana, na ny haragna tamin'ny mozana?13Ija no efa nahatakatra ny eritreritr'i Yaveh, na nanoro lalagna Anaje hôtran'ny mpanolotsaigne? 14Hatamin'ija no efa nandresany toro-lalagna? Ija no nampianatra Anaje ny fomba fanôvana raha amin'ny tokony ho ijy, ary nampianatra Anajy hahalala, na nampiseho Anajy ny fomba fahatakarana?15o, ny firenena dia hôtran'ny rano indraika mitete agnaty sihô, ary nieritreretina ho hôtran'ny vovoka ambonin'ny fandanjana eo; ito, lanjainy hôtran'ny teboka bitika ny nosy.16 Lybanona die tsy ampy atao fagnatitra rôna. 17Ny firenena abiaby dia tsy feno eo agnatrehane; igne dia niresiny hôtran'ny tsisy.18Amin'ija ijany no hampitovinareo amin'Andremanitre, 19Sampe! namolavola anijany ny mpagnano asa-tagnana: ny mpanefy volamena dia nambôtra takelam-bolamena sy nanefy rojo volafotsy hônijane. 20Ba hanôvana fagnatitra dia misy raika mifidy hajo tsy mety lo; mandremby mpagnano as-tagnana mahay ijy mba hanao sampy ijay tsy mety mirodagna.21Tsy fantatrareo ve? Tsy mbola regninareo ve? Tsy efa nijakaina taminareo tam-pendohana ve jane? Tsy efa takatrareo ve jany tamin'ny fagnamboarana ny tane? 22Ijy no tokagna mipetraka ambonin'ny habakabaka ny tane; ary mponigna dia hôtran'ny valala eo agnatrehane. Nandrota ny lagnitra hôtran'ny lamba Ijy ary nagnaparitaka anigne hôtran'ny lay hipitrahana.23Nampihegna ny mpanapaka hôtran'ny tsy misy ijy ary naggnano ny mpanapaky ny tany ho tsisy dikane. 24Vantany nambolena areo, vantany nafafe, ny sampan'gny tane, laha nandrivotra tamin-dreo teo Ijy ka nalajo igne, ary nandn-drivotra hôtran'ny mololo areo.25Amin'ija jany no hampitovinao Aminahe, ija no mitovy Aminahe?" hoy Ny Masina. 26Jirevo lagnitra! Ija no namorogna ny kintagna abiaby io? Mamôka an-dreo amin'ny filaharany Ijy ary mangaika anajy abiaby amin'ny agnarane. Tamin'ny halehiben'ny hriny sy tamin'ny tajaky ny fahefane, dia tsisy raika tsy nivôke.27Nahôna anao, ry Jakoba, no nijaka sy nagnambara tamin'Israely hoe: "Ny lalako dia mivony amin'i Yaveh, ary ny Andremanitro dia tsy vôkasiky ny fahamarinako?" 28Tsy fantatrareo ve? Tsy regninareo ve? Ny Andremanitra maharitra mandrakijay, Yaveh, no namorogna ny vajan-tane, dia tsy vijaka na rerake; tsisy fetrany ny fahalalane.29Magnome hery ny reraka Ijy; ary magnome hery vao aniay marare. 30Na ny tanora aja dia ho lasa vijaka sy rerake, ary ny tanora dia ho tafantohigna ka ho lavo: 31Fa jay mandigny an'i Yaveh dia hagnavao ny herin-dreo; hagnembogna amin'ny elatra hôtran'ny tsipara areo; hihajakajaka areo ka tsy ho rerahe; handeha areo ary tsy ho toragna.
Chapter 41

1Mitenoa am-pahanginana manolôna anahy, anareo moron-tsirake; ôka hagnavao ny heriny ny firenena; ôka areo hagnantogna marivo ary hijaka; ôka atsena hiaraka harivo ba hifandahatra sy hiady hevitre. 2Ija no nagnentagna ny raika hatan-tsignanan, nangika anajy am-pahamarinana hômin'ny fanompôny? Manolotra ny firenena honajy Ijy ary mitahy anajy handresy ny mpanjaka. Mamadika an-dreo ho vovka amin'ny mesany ijy, hôtran'ny mololo tsofin'ny rivotra amin'ny tsipìkane.3Magnenjika an-dreo ijy ka tafita sôman-tsara, tamin'ny lalagna tsra jay tsy nidiavin'ny hongoe. 4Ija no nanao sy nahavita ny asa jay? Ija no nampangaika ny taranaka hatam-pendohana? Aho, Yaveh, no vôlohane, ary miaraka amin'ny farane, Aho no Ijy.5ahita ny nosy ka natahotra; mangovitrovitra ny faran'ny tane; nagnantogna areo la avy. 6Samy mitahy nekamany ny olon-drehetra, ary ny olo abiaby nifampivoria hoe: 'Mahereja.' 7Ka dia mampahery ny mpanefy volamena ny mpandrafitra, ary jay miasa tan-tagnana mampahery jay miasa amin'ny riandriana, milajan'ny solohoto hoe: 'tsara ijane. Nifihejin-dreo tamin'ny fantsika ijany ba tsy hihojongojogna.8Fa anao, ry Israely, mpanompoko, ry Jakoba jay efa nifidiko, taranak'i Abrahama akamako, 9anao jay heveriko hatamin'ny fefaran'ny tane, ary jay nagnihako hatamin'ny toerana lavitre, ary jay nilajaiko hoe; 'Mpanompoko anao;' Efa nifidy anao Aho ary tsy nivaleko anao.10Aja matahotra, fa momba anao Aho. Aja mitebitebe, fa Aho no Andremanitrao. Hampatanjahiko anao, ary hagnampy anao Aho, ary hanohagna anao amin'ny tagnako ankavanana marina Aho.11Ito, ho megnatra sy afa-barake, ny abiaby jay vignitra taminao; ho hôtran'ny tsisy dikany areo ary ho faty jay rehetra jay manohitra anao.12Handremby anao befa tsy hahita hôn'ijay nifandahatra taminao; hôn'ijay nandremby taminao dia ho hôtran'ny tsisy dikane, tena tsisy dikane. 13Fa Aho, Yaveh Andremanitrao, no hitagna ny tagnanao ankavanana, milaja aminano hoe. 'Aja matahotra; fa hagnampy anao Aho.'14Aja matahotra, anao ry Jakoba kankana, ary anao ry olon'ny Isarely; fa hagnampy anareo aho--ijany no fagnambaran'i Yaveh, mpagnavotra anareo, jay Iray Masin'Isarely. 15Ito, atako ho hôtran'ny kodia avy marangitra anao, bola sady roa-lela; hamely ny tendrombohitra anao ary hanorotoro an-dreo; hatanao hôtran'ny mongo ny haragna.16Hikororoka an-dreo anao, ary ny rivotra hitondra an-dreo henga; hagnaparitakan-dreo ny rivotra. hifalifaly amin'i Yaveh anao, hifalifaly ami'njay Iray Masin'Israely.17Mandremby rao ny ory sy mahantra, kanefa tsisy, ary ny lelan-dreo dia ho maigna laha ohaina amin'ny hetaheta, Aho, Yaveh, no hamaly vavak'areo; Aho, jay Andremanitr'Israely, dia tsy hahafoy an-dreo. 18Hampanjary ny renirano handeha amin'ny haragna Aho, ary loharano agnivon'ny lohasaha; hatako dobon-drano ny tany hay, ary ny tany maigna hanjary loharano.19Amin'ny tany efitra agny no hamilako ny sedera, akasia, vôrotre, ary hajon'ôliva. Hamela ny kipreso amin'ny lemajy by tany hay egne, miaraka amin'ny kesika sy ny hajo kypreso Aho. 20Hanao anijany Aho ba hahita, hagneke, ary hiara-hahatakatra ny olo fa ny tagnan'i Yaveh no nagnano anijane, die Iray Masin'Israely no namorogna anijane.21"Lajao ny mahakasika anao," "hoy i Yaveh, "asehoy ny hevitrao jay tena tsara hôn'ny sampinao;" hoy ny mpanjaka an'i Jakoba. 22Ôka areo hitondra ny hevi-dreo manokagna; ampandrosoy areo ary lajao amiany jay hiseho, ba hahafantaranay tsara jay raha jay. Ampijakay an-dreo ny fagnambarana vôvina meloha, ba hahafahanay magnano an-dreo ho fitaratra sy hahafantaranay ny fomba nahatanterahany anigne.23Lajao ny raha momban'ny ho avy, ba hahafantaranay fa andremanitra anareo; manôva raha tsara na ratsy, ba hampatahotra sy hieky volagna ahay. 24Ito, tsisy dikany anareo sampy ary ny asanareo dia tsisy dikane; ijay ray jay nifidy anareo dia mafarikoriko.25Efa nanangagna raika hatavaratra Aho, ary avy ijy; hatamin'ny fiposahan'ny masoandro no hangihako jay mangaika ny agnarako, ary handidia ny mpanapaka hôtran'ny fotaka ijy, hôtran'ny mpanefy tanimanga mandidia ny tanimanga. 26Ija no nagnambara ijany hatam-pendohana, ba hahafantaranay? Alohan'ijany fotôgna jane, ba hilajanay hoe: "Marina ijy?" Eka marina, tsisy nagnano anijany ho lalàna areo, eka, tsisy naharegny anareo nilaja raha.27Hoy aho tamin'i Ziona tamin'ny vôlohane: 'Ito, ito areo;" nandefa mpitondra hafatra tagny Jerosalema Aho. 28Laha mijery aho, dia tsisy na ija na ija, na die raija amin-dreo jay afaka magnome toro-hevitra tsara,ijay, afaka hamaly resake, laha magnotany Aho. 29Ito, tsisy dikane ijy abiaby, sady ny asan-dreo dia tsisy dikane; rivotra sy java-pôgna sary angn'idin-dreo.
Chapter 42

1Ito, ,y mpanompoko,ijay tantagnako; jay nifidiko, aminaje no andresako sitrake Efa napetrako tamin'ny Fagnahiko; hitondra rariny amin'ny firenena ijy. 2Tsy hitaraigna na hikieka ijy, na hanao ny feony ho regny andalagna egne3Tsy ho tapahina ny volotara torotoro, ary tsy ho noniny ny afon'ny jiro mirehitre: hagnantanteraka ny rariny amim-pahatokisana ijy. 4Tsy hitombo harerahana ijy na ho kivy mandrra-pametrahany ny rariny ambon'ny tany etoy; ary ny tany amorontsiraka handigny ny lalàne.5Ijao no lajain'Yaveh Andremanitra_Jay namorogna ny lagnitra ary nagnenjagna anaje, ny nagnano ny tany sy jay abiaby vokariny, jay magnome fofognaigna hôn'ny olo amijany ary fiagnana hôn'ijay miagna amijane hoe: 6"Aho, Yaveh, efa nangaika anao tamin'ny fahamarinana sady hitagna ny tagnanao. Hiambigna anao Aho ary hametraka anao hôtran'ny fagnekena hôn'ny olo, hôtran'ny fahajavana hôn'ny jentilisa,7Ba hanokatra ny mason'ny jamba, ba hagnafaka ny vôfonja an-dragno mejigna ao, ary hatamin'ny tragno fonegnan'ny jay mipetraka amin'ny hejigna.8Aho no Yaveh, ary ny voninahitro tsy hijaraiko amin'ny hafa na ny fiderana Anahy hômin'ny sampy vôsikotre. 9Ito, efa lasa ny raha taloha, amijao hagnambara java-bôvao aminareo Aho. Melohan'ny hagnombônan'ny dia hijaka anareo mahakasika anio Aho."10Mihirà hira vôvao hôn'i Yaveh, ary ny fiderany hatamin'ny faran'ny tane; anareo jay midigna agny amin'ny ranomasina, sy jay rehetra aminaje ao, ny tany amorontsiraka, ary jay mivelogna agne. 11Ôka hitaraigna ny efitra sy ny tanàna, ny tanàna jay honegnan'ny Kedera, dia hikiekeka amin'ny fifalena! Ôka hihoby ny mponin'i Sela; ôka hikiekieka hatan-tampon-tendrombohitra areo.12ôka hagnome voninahitra an'i Yaveh areo ary hagnambara ny fiderany amin'ny tany amonrotsirake. 13Hivôka hôtran'ny mpiady i Yaveh; hôttran'ny lelahin'ady hampirisihin'ny jotom-pony ijy. Hikiaka ijy, eka, hierogna amin'ny hiekan'adiny ijy; hasehony ny fahavalony ny herine.14Efa nangigna Aho hatramijay; efa nangigna Aho sady nifahy ny tegnako; amijao die hitaraigna hôtran'ny viavy miteraka Aho; mihakahaka tsy tafaigna. 15Hatako lao ny tendrombohitra sy ny haragna ary hagnamaigna ny jkava-maniry abiaby; ary hamadika ny ony ho nosy Aho ary hagnamaigna ny farihy.16Hitondra ny jamba amin'ny lalagna jay tsy fatan-dreo Aho; amin'ny lalagna jay tsy fatan-dreo no hitarihako an-dreo. Hamadika ny hejigna ho majava alohan-dreo Aho, ary hanao ny toerana meloka ho marina. Io raha abiaby io no hamboariko, ary tsy handao an-dreo Aho.17Hiverigna areo, ary ho afa-baraka tanteraka, jay matoky nny sarin-draha vôsokitre, jay milaja ny sarin-draha narendrika tamin'ny vy hoe: "Anareo no Andremanitray."18Mitenoa, Anareo a maregnina; ary mijereva, anareo jamba, ba hahita. 19Ija no jamba nefa mpanompoko? Na maregnina hôtran'ny mpitondra hafatra niraiko? Ija no jamba hôtra ny sakejam-ponegnako, na maregnina hôtran'ny mpanompon'i Yaveh?20Rahabe ny raha hitanareo, fany tsy takatrareo; manongilan-sofigna, nefa tsy misy maharegne. 21Nahafaly an'i Yaveh ny midera ny fahamarinany ary ny magnome voninahitra ny lalàne.22Nefa toy dia vahôka nangalarana sy vôroba; vôfandrika amin'ny hady agny aby areo, nitantagnana ny gadra tam-ponja; efa lasa vôroba areo ka tsisy na ija na ija hagnavotra anaje, ary tsisy mijaka hoe: "Aviregno areo!"23Ija aminareoio no hiteno anijany? Ija no hiteno sy haharegny amin'ny ho avy? 24Ija no hagnome an'i Jakoba ho an'ny dahalo, ary ny Israely hômin'ny mpandrava? Sa ve jany tsy i Yaveh, jay efa nagnotan-tsena, jay nolavindreo andihanana ny lalagny, ary jay nilavin-dreo harahina ny lalàgne?25Noho jany dia nararan-dreo ny firihetan'ny fahavignirane, hatamin'ny fandravan"ny ady. Niredareda nagnodidigna an-dreo jane, nefa tsy nahafantatra anijane areo; ka nagnoro an-dreo jane, nefa tsy niresin-dreo am-po jane.
Chapter 43

1Fa ankehitriny dia jao no lajain'i Yaveh, Ijy jay namorogna anao, ry Jakoba, ary ijy jay nambôtra anao, ry Israely: "Aja matahotra, fefa nagnavotra anao Aho; efa nangaika anao tamin'ny agnaranao Aho, Anahy anao."2Laha mandeha mamakivaky ny rano anareo, dia ho hôminareo eo Aho; ary amin'ny renirano, dia tsy hanafotra anareo igne. Laha mandeha mamakivaky ny afo anareo dia tsy ho may, ary tsy handrava anareo ny lelan'afo. 3Fa Aho no Yaveh Andremanitrareo, ny Iray Masin'Israely, mpamonjinareo. Nameko hôtran'ny vidim-pagnavotanareo i Egypta, i Etiopia sy i Seba ho takalonaeo.4Fa sarobidy sy miavaka amasoko anareo, tieko anareo; noho jany dia hagnome olo ho takalonareo Aho, ary vahôka hafa ho takalon'ny aignareo. 5Aja matahotra, fa momba anareo Aho; hitondra ny taranakareo hatantsignanana Aho, ary hamorovoro anareo hatandrefana.6Hilaja amin'ny avaratra Aho hoe: 'Afaho areo,' ary amin'ny antsimo hoe: 'Aja misy tanana;' Andôsy hatalavitra ny janakao lahy, ary ny janakao vavy hatamin'ny faritany lavitry ny tane, 7ny tsirairay jay nangihana tamin'ny Agnarako, jay namboariko hôn'ny voninahitro, jay namboariko, eka, jaynatako.8Avoahy ny olo jay jamba, na dia managna maso aja areo, sy ny maregnina, na dia manan-tsofigna aja areo. 9Miara-mivory ny firenena abiaby, ary mivory ny vahôka. Ija amin-dreo no afaka nagnambara anijany sy nagnambara taminay ny tranga taloha? ôka areo hitondra ny vavolombelony ba hagnaporofo marina an-dreo, ôka areo hiteno sy hagnafy hoe: 'Marina ijany.'10Magnambara i Yaveh hoe: "Anareo no vavolombeloko, ary mpanompoko jay nofidiko, ka tokony hahafantatra sy hino Anahy anareo, ary hahatakatra fa Aho no ijy. Tsisy Andremanitra vôforogna talohako, ary tsisy afarako ao. 11Aho, Aho no Yaveh, ary tsisy Mpamonjy ankôtra Anahy.12Efa nagnambara Aho, namonjy, ary nagnambara am-pahibemaso, ary tsisy andremani-kafa aminareo eo. Anareo no vavolombeloko," hoy i Yaveh," Aho no Andremanitre. 13Hatramin'io andro io dia Aho no ijy, ary tsisy afaka magnavotra an'ijany na ija na ija an-tagnako eo. Miasa Aho, ary ija no afaka hamadika anijane?"14Ijao no lajain'i Yaveh, Mpagnavotra anareo, ny Iray Masin'Israely: "Fa noho ny aminareo no handefasako a Babylona sy hatarihako an-dreo abiaby hidigna hôtran'ny mpilefa, hamadihana ny fampisehôn'ny Babyloniana hafalena ho hiram-pitomagnena. 15Aho no Yaveh, ny Iray Masinareo, Mpamorogna an'Israely, Mpanjakanareo."16Aho no lajain'i Yaveh( jay nanokatra lalagna namakicvaky ny ranomasina sy lalagna tamin'ny rano mahere, 17ijay namôka ny kalesa sy sôvale, ny tafika sy miaramila mahere. Niara-lavo areo; tsy hitsangagna koa areo; maty areo, mitsilopilopy hôtran'ny lahin-jiro.)18"Aja mieritreritra momban'ny raha taloha igne, na mahatsiaro ny raha taloha efa ela. 19Ito, Aho efa manao java-bôvao; efa hanomboka mitranga jany ankehitriny; tsy mahalala anijany ve anareo? Hambôtra lalagna agny an-tany agnefitra sy ren-drano an-tany maigna be agny Aho.20Hagnome voninahittra Anahy ny bibidia an-saha, ny amboadia an-saha, ny amboadia sy ny ostrisa, satria magnome rano agny antany maigna Aho, ary renirano an-tetefitre, ba hinomin'ny vahôka vôfidiko, 21ny vahôka jay nivolavolaiko hônAhy koa, fa mety hitantara ny fiderana Anahy areo.22Fa tsy nangaika Anahy anao, ry Jakoba; reraka ny Aminahy anao, ry Israely. 23Tsy ba nitondra tamin'ny ondrinareo ho fagnatitra rôna hônAhy anareo, na nagnome voninahitra Anahy tamin'ny sorognareo. Tsy navesatra anareo tamin'ny fanatittra vary Aho, na nanasatra anareo tamin'ny fangatahana ditin-kajo magnitra.24Tsy nividy veromagnitra hônAhy tamin'ny vola anareo, na nandraraka Taminahe ny saboran'ny sorognareo; fa navesatra hônAhy tamin'ny fahotanareo anaeo; nanasatra anAhy tamin'ny asa ratsinareo.25Aho, eka, Aho, no jay mamono ny fandikan-dàlanareo noho ny Aminahy mandy; ary tsy hahatsiaroy fahotanareo kao Aho. 26Ampahatsiahivo Anahy jay nitranga. Ôka atsena hiara-hifandahatre; atoroy ny hevitrareo, fa mety ho vôporofo ho tsy manan-tsigny anareo.27Nanota iabanareo vôlohane, ary nikorontagna taminay ny loholonareo. 28Noho jany dia hilotoiko ny manam-pahefana masina; hanao an'i Jakoba ho ringagna tanteraka Aho, ary i Israely amin'ny fagnalam-baraka mahery setre."
Chapter 44

1Amijao mitenoa, ry Jakoba mpanompoko, sery Israely, jay nifidiko: 2Ijao no lajain'i Yaveh, Ijy jay nambôtra anao sy namolavola anao tan-kibo sy jay hamonjy anao hoe: "Aja matahotre, ry Jakoba mpanompoko; die anao, ry Jesorona, jay nifidiko.3Fa handatsaka rano amin'ny tany mangetaheta, sy ren-doharano amin'ny tany maigna Aho; handatsaka ny Fagnahiko amin'ny janakao Aho, ary hômin'ny janakao ny fitaheko. 4Haniry amin'ny ahitra eo, hôtran'ny hajo malahelo marivo ny rien-drano eo areo.5Ny raika hijak hoe: 'An'i Yaveh aho', ary ny hafa hangaika mahare ny agnaran'i Jakoba, ary ny hafa hanoratra amin'ny tagnany hoe: 'An'i Yaveh', ka hangaika ny tegnany amin'ny anaran'Israely."6Aho no lajain'i Yaveh--ny Mpanjakan'ny Israely sy Mpagnavotra anaje, dia Yaveh Tompon'ny rehetra: "Aho no vôlohane, ary Aho no farane; ary tsisy Andremanitra afa-tsy Aho.7Ija no hôtran'Ahe? Ôka ijy hilaja anijany ka hagnajava Aminahy ny raha jay nitranga hatamin'ny nananganako ny vahôkako taloha, ary ôka areo hagnambara ny raha ho avvy.8Aja matahotra na miahiahy. Sa ve Aho tsy efa nilaja taminareo taloha tagny, ka nilaja naijane? Vavolombeloko anareo: Sa ve misy Andremanitra afa-tsy Aho? Tsisy vatolampy hafa; tsy mahalala na raika aja Aho."9Ny abiaby jay mambôtra sampy dia tsinotsino; java-pôgna ny raha ankasitrahane; ny vavolombelon-dreo dia tsy mahita na mahalala na ino na ino, ary halaim-baraka areo. 10Ija no hamolavola andremanitra na hagnambôtra sampy jay java-pôgna?11Ito, y mpiara-miasa aminajy abiay dia halaim-baraka aby; ny mpanao asa tagnana dia olo mandy. Ôka ijy hiara-hijoro; hatahotra areo ary halaim-barake.12Ny mpanefy dia miasa amin'ny fitôvane, mamolavola anijane, miasa amin'ny arigna. Mamolavola anijany amin'ny tantagnana ary miasa anijany amin'ny sandriny mahery ijy. Nahôna ijy, ka mihegna ny tanjagne, tsy minogna rano ijy ka manjary vijake.13Mandrefy ny hajo amin'ny fanipikan'ny mpandrafitra, ary manikotra anijany amin'ny fandraka. Mamolavola anijany amin'ny fitôvana ijy ary magnamarika anijany amin'ny kompà. Mamolavola anijany ho hôtran'ny endrik'olo ijy, hôtran'ny olombelogna manintogna, ba hitoboka an-dragno jane.14Manapaka sedera ijy, na mifidy hajo-kypreso na hajo terebinta. Mangala hajohatagn'ala hônajy ijy. Mamboly kesika ijy ary mampaniry anijany ny oragna.15Dia ampesain'ny olo hampirihetana afo sy hzmindrôna anijane. Eka, mandrehitra afo ijy ka manao mofo. Dia manao andremanitra amin'ijany ijy ka menkohoka amin'ijany; manao sampy ijy ka menkohoka amin'ijany. 16Magnoro ny sasagny amin'ny hajo hampirihetana afo ijy ka afa-po. Mamindro ijy ka manao hoe: "Aha, mafana aho, efa nahita afo ao."17Amin'ny hajo sisa nivela no agnamboarany andremanitra, ny sariny vôsikotra; menkohoko amin'ijany ijy sady magnaja anijany, ary mivavaka amin'ijany manao hoe: "Avoty aho, fa anao no andremanitro."18Tsy mahafantatre, na mahatakatra areo, fa jamba ny mason-dreo ka tsy mahita, ary tsy mahalala ny fon-dreo.19Tsisy mihevitra, na mahajo areo ka manao hoe: "Efa nagnoro ny sasagny tami'ny hajo tagnaty afo aho; eka, efa nagnano mofo tamboni'ny arigny mandy koa aho. Efa nitono hena tamin'ny arigna aho ka nihinagna. Ankehitriny, tokony hanao raha mamparikoriko amin'ny hajo hafa sasagny ba ho tompoina ve aho? Tokony henkohoka amin'ny vatan-kajo ve aho?"20Hôtran'ny hoe mihinagna lakevogna ijy; mampivily anajy ny fony vôfitake. Tsy afa-mamonjy ny tegnany ijy, na manao ijy hoe: "Toy raha eto an-tagnako avanana toy dia andremanitra tsijy."21Hevero ny momba anio raha io ery Jakoba, sy ery Israely, fa mpanompoko anao: efa namolavola anao aho; mpanompoka anao: ry Israely, tsy hadignoko anao. 22Nivonoiko, hôtran'ny raho-matevigna, ny asa fikomena, ary hôtran'ny rahogna, ny fahotanao; miverigna Aminahe, fa efa nagnavotra anao Aho.23Mihirà, anareo ry lagnitra, fa Yaveh no nanao anijany; mihikiaha, anareo ry halalin'gny tane. Mifalia amin'ny fihirana, anareo ry tendrombohitra, anao ry ala hatramin'ny hajo abiaby ao; fefa navotan'i Yaveh i Jaboka, ka hahita ny voninahiny a Israely.24Jao no lajain'i Yaveh, Mpagnavotra anao, Ijy jay namolavola anao hatan-kibo: "Aho no Yaveh, jay nanao ny raha abiaby, jay Aho rery no nagnenjehana ny lagnitre, Aho rery no nagnambôtra ny tane. 25Aho jay magnafôgna ny famantaran'ny mpijakajaka fôgna sy jay magnala-baraka an'ijay mamaky famantarana; Aho ijay mandrava ny fahendren'ny hendry sy manao ny torohevi-dreo ho hadalana.26Aho, Yaveh, jay nagnamafy ny jakan'ny mpanompony ary mampandalo ny faminanian'ny irake, jay milaja amin'i Jerosalema hoe: 'Hipitrahana ijy', ary an'ny renivohitr'i Jod hoe: 'Hatsangagna koa areo, ary hagnarigna ny faharavany Aho'; 27jay milaja amin'ny ranomasina laligna hoe: 'Ôka ho ritra, ary hiritiko ny oninao.'28Yaveh ijay mijaka an'i Kyroso hoe: 'Yjy no mpiandry ondriko, hanao ny fagnirieko abiaby Ijy, handindy ny amin'i Jerosalema Ijy hoe: 'Hatsangagna koa ijy' ary ny amin'ny tempoly hoe: 'Ôka hatsangagna ny fototrao."'
Chapter 45

1Ijao no lajain'i Yaveh amin'ny vôhosine, amin'i Kyrosy, jay tanako amin'ny tangny ankavanana, ba haharesy ny firenena agnatrehane, ba handafo lefogna ny mpanjaka, ary ba hanokatra ny varavaragnao alohany eo, ba hiegnina hivoha ny vavahady.2"Handeha alohanao eo aho ary hampahitsy ny tendrombohitra; hitapatapahiko ny varangaragna varahigna ary hipotepotehiko ny bara vy, 3ary hameko anao ny harenan"ny hejigna sy harena nivony, ba hahafantaranao fa Aho, Yaveh, no mangaika anao amin'ny agnaraao, dia Aho, no Andremanitr'Israely.4Noho ny amin'i Jakoba mpanompoko, sy Israely vôfidiko, dia nangaika anao tamin'ny agnaranao Aho: nagnome anao agnaram-boninahitre, na dia tsy hahafantatra Anahy aja anao. 5Aho no Yaveh, ary tsisy hafa; tsisy Andremanira ankôtran'Ahe. Ijzo no hzmpirisika anao hômin'ny ady, na dia tsy nahalala Anahy aja anao; 6ba hahafantaran'ny olo hatamin'ny fiposahan'ny masoandro, ka hatandrefana, fa tsisy andremanitra ankôtr'Anahe: Aho no Yaveh, ary tsisy hafa.7Aho no nanao ny majava sady nambôtra ny hejigna; aho no mitondra fedanana sady mahatonga ny loja; Aho no Yaveh, jay manao anijany raha abiaby ijany. 8Anareo ry lagnatra, ôka ny habakabaka hagnerika fahamarinana. Ôka ny tany hitroka anijany, ba haniry miaraka amin'ijany ny famonjena, ary hiara-hitsiry amin'ijany ny fahamarinana. Aho, Yaveh, no nambôtra an-dreo.9Loja hôn'jay abiabby miady amin'ijany nanao anijane, amijay die hôtran'ny vilagny agnivon'ny vilagny tany hafa amin'ny tany eo mandy! Sa ve ny tanimanga ba mijaka amin'ny mpanefy tanimanga hoe: 'Ino raha amboarinao jao?' na 'Tsy mahafehy anijany ny asanao'?10Loja hôn'ijay mijaka amin'ny ray hoe: 'Ino toy aterakao itoy?' na amina viavy hoe: 'Ino toy avôkanao itoy?'11Ijao no lajain'i Yaveh, ny Iray Masin'Israely, Mpahary anajy: 'Nahôna anao no mametra-pagnotanena ny amijay atako hôn'ny anako? Mijaka aminahy jay tokony hatao mahakasika ny asan'ny tagnako ve anao?12'Aho no nanao ny tany ary namorogna ny olo tamin'ijane. ny tagnako no namelatra ny lagnitra, ary Aho no nandidy ny kintagna abiaby ba hipoitra.13Aho no nagnentagna an(i Kyrosy tamin'ny fahamarinana, ary Aho no hagnalama ny lalan'gny abiaby. Ijy no hanangana ny tanànako; Ijyy no hampody ny oloko sesitne, ary tsisy vidiny na kolikoly,"' hoy i Yaveh tompon'ny rehetra.14Ijao no lajain'i Yaveh: "Ny fidiram-bolan'i Egypta sy ny entam-barotr'i Etiopia hatamin'i Sabeana, jay olo lava ranjagnana, dia handao aminaje eo. Hônao io. Hagnaraka anao igne, handeha miaraka amin'ny gadra vy. Henkohoka aminao areo ka hifona aminao hanao hoe: 15'Miaraka aminao tokôtra Andremanitra, ary tsisy hafa ankôtranaje."' Marina tokôtra fa Anao no Andremanitra jay mamony ny tegnanao, ry Andremanitr'Israely, Mpamonjy.16Hiara-megnatra sy ho afa-baraka aby areo; Ijao magnano sampy vôsikotra dia handeha amin'ny fahafaham-baraka. 17Fa havotan'i Yaveh amin'ny famonjena mandrakijay Israely; tsy ho menatra na ho afa-baraka koa anao.18Ijao no lajain'i Yaveh, jay nambôtra ny lagnitra, ny Andremanitra marina jay nambôtra ny tany sy nambôtra anijane, jay nagnorigna anijane. Ijy no nambôtra anijane, tsy hôtran'ny fakofako, fa natany ba hoajo hipitrahana: "Aho no Yaveh, ary tsisy hafa.19Tsy mijaka mangingigna, tagny amin'ny toerana tsy hita Aho; tsy ba nijaka tamin'i Jakoba Aho hoe: 'Rombejo fahatany Aho!" Aho no Yaveh, jay mijaka marina; raha marina no lajaiko.20Vorio ny tegnanareo ka avia! Miaraha-mivory, anareo mitsô-ponegnana hatamin'ny firenena! Tsy ba manam-pahalalana, jay mitondra sary vôsikotra sy mivavaka amin'ny adremanitra jay tsy afa-mamonje.21Marivosà sady jakay aminahy anijane, andôsy ny porofo! Ôka atreo hiara-hikonokonogna. Ija no naneho anijany hatamin'ny ela? Ija nagnambara anijany? Tsy Aho Yaveh ve? Tsisy Andremanitra afa-tsy Aho, dia Andremanitra marina sady Mpamonjy; tsisy hafa ankôtra anahe.22Mipodia aminahe ary ôka ho vôvonjy, ry faran'ny tany abiaby; fa Aho no Andremanitra ary tsisy ankôtran'Ahe. 23Mahasahy magnojogna amin'ny tegnako Aho, milaja ny lalàna mariko, ary tsy hihemotra ijane: 'Aminahy no hitolefika ny lohalika abiaby, ary hagnojogna ny lela abiaby.24Hilaja ny momba Anahy areo hoe: "Ao amin'ny Yaveh irery mandy no famonjena sy ny hery."" Ho megnatra aby jay vigitra aminaje. 25Ao amin'i Yaveh no hagnamarinana ny taranak'Israely abiaby; aminajy ao no hireharehan-dreo
Chapter 46

1Menkohoka i Bela, mondrika i Nebo; ny sampan-dreo dia andan'ny biby fiompy sy biby folahina. Ny sampy jay andanareo igne dia enta-mavesatra hôn'ny biby vijaka. 2Miara-mondrika areo, miara-mandohalika; ka tsy mahavonjy ny entagne, ary areo dia efa lasa gadra.3Tenoy aho, ry taranak'i Jakoba, ry taranak'Israely sisa abiaby, jay efa nandako melohan'ny fahaterahanareo, efa nibabeko hatan-kibo. 4Eka na dia amin'ny taom-pahaterahanareo aja, dia tsy miova aho,a ary mandra-paha fotsy ny nolonareo dia hitondra aareo Aho. Nahary anareo Aho ka hitrotro anareo; hitondra anaro Aho ary hagnavotra anareo.5Amin'ija no hampitovenareo Anahe? Ija no heverinareo fa mitovy aminahe, ka ajo ampitahana ahay? 6Nandraraka volamena hatagnaty sakôsy ny vahôka sady nandanja anijany tamin'ny mijagna. Magnakarama mpanefy vy areo, ary magnambôtra anijany ho andremanitra ijy, menkohoka sy manompo anijany areo.7Mampiakatra anijany an-soro-dreo ka mitondra anijany, mametraka anijany amin'ny toeran-dreo, mijoro amin'ny toerany jany ary tsy mihetsika eo. Mitaraigna amijany areo, kanefa tsy afaka mamaly na mamonjy na ija na ija amin'ny lojane.8Hevero ny momban'ny raha aby io; aja tsinotsiniavina jay; ry mpagnadary! 9Hevero ny momban'ny raha vô vetivete, ny tamin'ny fotôn-dasa, ja Aho no Andremanitra, ary tsisy hafa, Aho no Andremanitra, ary tsisy na ija na ija mitovy aminahe.10Ambarako hatam-pendohana ny fefarana, ary melohan'ijay bola tsy niseho; Aho manao hoe: "Ho tanteraka ny fikasako, ary hanao araka jay fagnirieko Aho." 11Antsoiko hatantsignanana ny rorogna mpandrembe, ary ny olo vôfidiko hatamin'ny tany lavitra; eka, efa nilajaiko; ka hitanterahiko; efa natolotro, ka hatako mandy koa jane.12Mitenoa Anahy, anareo a vahôka mahery hatoke, jay lavitry ny fanôvana ny mahitsy. 13Mamparivo ny fahamarinako Aho; tsy lavitra jany, ary tsy mandigny ny famonjeko; ary hagnome ny famonjena hôn'i Ziona sy ny hatsarako hôn'Israely Aho.
Chapter 47

1Midìgna ka mitoboha amin'ny vovoka eo, ry janaka vavy virjinin'i Babylona; mitoboha amin'ny tany tsisy fandrena eo, ry janaka vavin'ny Kaldeana. tsy hangihana hoe tsara sady marefo koa anareo. 2Reso ny leogna ka manotoa vary; alay ny voalinareo, alay nekanjo lavanareo, aboridagno ny hongotrareo, ka mitsahà ny renirano.3iseho ny fiboridagnanareo, eka, ny hegnatrareo dia ho hita; hamaly faty Aho ary tsy hamindra fo amin'olo. 4Ny Mpagnavotra atsena, Yaveh tompon'ny rehetra negnarane, ny Iray Masin'Israely 5Mipitraha amin'ny mangina ary mandihana agny amin'ny mejigna, ry janaka vavin'ny Kaldeana; fa anareo dia tsy hangihanahôndrem-bavin'ny fanjakana koa.6Maseka tamin'ny vahôkako Aho; nandoto ny lovako Aho ary nagnome ny hôn-tagnanareo, kanefa tsy nagnatoro fitserana tamin-dreo anareo; nametraka zioga mavesatra tamin'ny antitra anareo. 7Hoy anareo hoe: "Hanapaka mandrakijay hôtra ny fendrianan'ny andrembavy aho." Tsy nandray ny raha tamin'ny fo anareo, na nihevitra jay ho fivadihane.8Ka tenoy ny niany jao, anareo jay tia fahafinaretana sy mipetraka am-pilaminana; anareo jay manao anakam-po hoe: "Misy aho, ary tsisy hôtaran'Ahe; tsy magnanton-tegna mihitsy aho, na hiagna ny fahaverejan-janaka mihitsy." 9Fa ito raha rolahiteo ito dia ho avy tampoka aminareo ao agnatin'indraika andro: ho avy aminareo amin'ny fahafenôn-kery ny fahaverejan-janaka sy ny tsy fanagnam-bady koa, nadia eo aja ny famosavenareo sy ny fandrekirekenareo sy ny odinareo.10Natoky ny fahatserovanareo anareo; hoy anareo hoe: "Tsisy mahita ahy"; ny fahendrenareo sy ny fahejanareo no mitarika anareo agny amin'ny lalan-diso, fa hoy anareo manao anakam-po hoe: "Misy aho ary tsisy na ija na ija mitovy aminahe." 11Handresy anareo ny loja; tsy hahavita handrôka anijany anareo sy ny fandrekirekenareo. Hôminareo ny fahapotehana; tsy hahavita hamafa anijany anareo. Hamely tampoka anareo ny loja, melohan'ny hahafantaranareo jane.12Mahareta amin'ny fanôvanareo fagnojognana sy famosavena jay natanareo tsenjery tamim-pahatokisana hatamin'ny fahajajanareo; mety hahomby anareo, mety hatahotra loja anareo. 13Vijaka anareo nohon'ny fangalana hetre; ôka hijoro ny olo io ka hiaro anareo_ijay mendrandra ny lagnitra sy mijery ny kintana, jay magnambara volagna vôvao_aleo areo hamonjy anareo amin'ijay hiseho aminareo.14Ito, ho lasa mololo ny afo. Tsy hahavonjy ny aigny an-tagnan'ny lelan'afo areo. Tsy hisy vain'afo hagnafana an-dreo ary tsy hipetraka marivo afo areo! 15Jao no efa nahavy an-dreo hôminareo, jefa niara-niasa taminareo, ary niara-nividy sy niara-nivarotra taminareo tamin'ny bola anareo, ary ijt abiaby dia bola manao ny hadalany mandy; ary laha mila vonjy anareo, dia tsy hisy na ija na ija afaka hamonjy anareo."
Chapter 48

1Mitenoa jao, ry taranak'i Jakoba, jay nangihana tamin'ny agnaran'ny Israely, ary jay avy tamin'ny ranon'gnain'gni Joda; anao jay miaigna amin'ny agnaran'i Yaveh sy manataka nEndremanitry ny Israely, nefa tsy tamin-kitsipo na fomba marina. 2Fa mangaika ny tegnany ho vahôkan'ny tanàna masina an-dreo sady matoky an'Andremanitry ny Israely. Yaveh Tompon'ny rehetra negnarane.3"Efa vôlajako ny raha taloha; nijakain'ny vavako an-dreo, ary nampalaja an-dreo Aho; Ary tampoka no nanôvako an-dreo ary avy ba nandalo areo. 4Satria nahafantatra Aho fa be di-doha anareo, ny hojatry ny hatakoa dia hôtran'ny vy, ary ny handrignao dia hôtran'ny varahigna. Ka dia nilajaiko taminao meloha jay raha jay, 5melohan'ny isehôn'ijay diefa nampilaja anao Aho, ôka tsy tokony hijaka anao hoe: 'ny sampiko diefa nanao an-dreo, ' na 'ny sari-sikotro sy sarin-drahako agn'idigna no nandidy jay raha jay.'6Efa naharegny anijany raha jany anao; jereo ny porofon'ijany raha abiaby jane; ary anao, tsy hagneky ve anao fa jay vôlajako di marina? Manomboka jao, maneho anao raha vôvao Aho, raha miavigna jay tsy bola fantatrao. 7Vô jao, ary tsy taminajy taloha, satria avy areo, ary talohan'ny niany dia tsy bola naharegny ny momba an-dreo anao, ka tsy afaka nyhijaka anao hoe, 'Eka, aho mahafantatra an-dreo.'8Tsy bola naharegny mihitsy anao; tsy nahalala anao; jay raha jay dia tsy natao hôn'ny safidinao meloha. Fa fantatro fa anao dia tena mpamitaka, ary efa mpikome hatan-kibo.9Fa nohon'egnarako dia leferiko ny fahavignirako, ary nohon'ny voninahitro no hisalasalako ny amin'ny fandravana anao. 10Ito, vôvidiko anao, nefa tsy hôtran'ny volafotsy; efa nan-dio anao tamin'ny lafôron'ny fahorena Aho. 11Nohon'ny tegnako, eka nohon'ny tegnako no hanôvako anijane; fa hôtraniaja ny hagnavilako negnarako ho fahafaham-barakake? tsy hameko olon-kafa ny voninahitro.12Mitenoa anahy, ry Jakoba, sy ry Israely, jay nangihako: jao no ijy; Aho no vôlohany, ary Aho mandy koa no farane. 13Eka, ny tagnako mametraka ny fagnorenana amin'ny tane, ary ny tagnan'olomarina hivilarina amin'ny lagnitra; Laha mangaika an-dreo Aho, dia miara-mitsangagna an-dreo.14Mivoria anareo, anareo abiaby, ary mitenoa! Ija tamiareo no efa nagnambara jany raha jane? jay tien'i Yaveh no hagnatanteraka ny tanjogny hanohitra an'iBabylona. Hagnatanteraka jay tian'i Yaveh hanoherana ny Kaldeana. 15Aho, efa nijaka aho, eka, efa nangaika anajy Aho, efa nitondra anajy Aho, ary hahomby ijy.16Mandihana marivo anahy eto, mitenoa anijao: Hatam-pendohana no efa tsy nitenoko tamin'ny mangingigna; laha miseho jay, dia eto Aho." Amijao i Yaveh Tompon'ny rehetra no nagniraka Anahy, ary Fagnahine.17Ijao no namaran'i Yaveh, mpagnavotra anao, ny Iray Masin'ny Israely: "Aho no Yaveh Andremanitrao, jay mitarika anao amin'ny lalagna jay tokony handihananao. 18Laha befa nankato ny didiko anareo! Dia fedananao sy fagnambinanao no handeha hôtran'ny ony, ary ny famonjenao ddia hôtran'ny onjan-dranomasina.19Tsy ho hita isa hôtran'ny taranakao, ary ny janaka naterakin'ny kibonao hitovy isa hôtran'ny sisam-pasike; negnaran-dreo dia tsy ho tapaka na ho fôgna alohako eo.20Mivoaha hiala any Babylona! Milifasa ny Kaldeana! Jakay amin'ny feo handregnina jay! Atôvy malaja jane, ailejo hatam-paran'ny tany jane! Lajao hoe: 'Efa nagnavotra an'i Jakoba mpanompony i Yaveh,'21Tsy nangetaheta areo laha nandany tany an'gnefitre; nampandihanina ny rano hatamin'ny vatolampy hôn-dreo; nampitresaka ny vatolampy ijy, ary niboiboika ny rano. 22Tsisy fedanana hôn'ny ratsy fagnahy hoy Yaveh."
Chapter 49

1Mitenoa Anahy, anao ry nosy! Ankehitriny hevero aho, anareo ry vahôka lavitra. Efa nangihan'i Yaveh hatamin'ny agnarako aho, laha nitondra anahy hoe an-tany eto endriko. 2Natany hôtran'ny mesa marangitra ny vavako; navoniny tamin'ny aloky ny tagnany aho; natany hôtran'ny jana-tsipìka vôlangolango aho; tan-dragnon'ny jana-tsipìkany no nagnavoneny anahe.3Niijaka taminahy ijy hoee: "Anao no mpanompoko, Isarely, jay hanehôko ny voninahitrao." 4Fa namaly aho hoe: "Laha nihevitra aho hoe niasa tamim-pikirijana, dia nandany ny heriko tamin'ny java-pôgna aho, fefa amin'ny Yaveh ao ny rariny hônahe, ary ny valin'ny asako dia amin'Endremanitro.5Amijao Yaveh dia mijaka_Ijy no namorogna anahy hatamin'ny nahaterahako ho mpanompone, ba hampipody amin'ny lôniny indraika a'i Jakoba hônajy tanteraka, ka hampitambatra ny Israely hôminajy eo, fa omem-boninahitra imason'i Yaveh eo aho, ary lasa heriko ny Andremanitro_ 6ary hoy ijy: "Raha kely aminao ny ho mpanompoko jay hambôtra indraika ny fokon'i Jakoba ary hampiverigna ny sisa tsy maty amin'ny Israely. hanao ho fahajavana anao amin'ny jentilisa Aho, anao jay mety ho famonjeko am-paran'ny tany agne."7Ijao no lajain'i Yaveh, mpagnavotra ny Isarely, ny Masiny Iray, amin'ny irayjay managna fiaignana vôtsinotsino, halan'ny firenena, ary andevon'ny mpanapaka hoe: "Ho hitan'ny mpanjaka anao ary hitsangagna, Ary hahita anao ny Andrena ka hiankohoka, noho i Yaveh jay mampatoky, na dia ny Iray Masin'Israely, jay nifidy anao aja."8Jao no lajain'i Yaveh: "Amin'ny fotôgna jay hanapahako ny fankasitrahako dia hamaly anao Aho, ary amin'ny andron'ny famonjena dia hitahy anao Aho; hiaro anao Aho, ary hagnome anao hôtran'y fagnekena hôn'ny vahôkako, ba hanangagna indraika ny tane, ba hanendry indraika ny lova efa lao.9Hijaka amin'ny gadra anao hoe: 'Magnantogna;' jay an-dragnomejigna ao hoe: "Atoroy ny tegnanareo". Hihinagna amin'ny lalagnareo egne, ary ny haragna mangadihady abiaby dia ho ahitra hôn-dreo.10Tsy ho tehinagna na hangetaheta; na hafana be na ho mahamay ny masoandro areo, fa Ijy jay managna famindram-po amin-dreo no hitarika an-dreo, hitantagna an-dreo hômin'ny loharano ijy. 11Dia hanao ny tendrombohitro abiaby ho lalagna Aho, ary hanao ny lalam-be hisandratre.12Ito, hoavy hata-lavitra areo, ny sasagny hata-varatra sentsignanana; ary ny sasagny avy hatan-tanin'ny Sinima. 13Mihirà, ry lagnitra, ary mifalia, ry tane; mivakia amin'ny fihirana, anareo a tendrombohitra! Fa mankahery ny olo Andremanitre, ary hanagna fangoraham-po amin'ny ory.14Fa i Ziona nijaka hoe: "Nahafoy anahy Yaveh, ary nagnadigno anahy ny Tompo." 15Sa ve ny reny hahavita hagnadinony janagne, jay minono an-tratrany eo, ka tsy hanagna fangoraham-po amin'ny janagny lahy jay nateragne? Eka, mety hagnadigno ijy, fa Aho tsy ba hagnadigno anao.16Ito, efa vitako tombo-kavatsa am-pelatagnanao eo ny agnaranao. alohako eo fehijay ny mandanao. 17Ny janakareo dia mandeha malaky afara ao, laha bola miala aminao jay mpandringagna anao. 18Jirevo ny magnodidigna ka mijereva, mivory magnodidigna anao ijy abiaby ary magnantogna anao. Laha bola miaigna tokôtra Aho_jany no fagnambaran'i Yaveh_Hekanjo areo hôtran'ny rojo toˆkotra anao, ary hampitafy an-dreo hôtran'ny ampekarina anao.19Fa very sy lao anao, tany jay rava, ankehitriny dia ho kely indrindra anao amin'ny mponigna, ary jay nihinagna anao dia hiala lavitra.20 Ny jaja jay ho teraka mandritry ny fotôgnan'ny alahelonao: "Tery lˆtra hônay ny toerana, manôva efitra hônay, ba afahanay monigna eto."21Dia hagnotany tegna anao hoe: "Ija no niteraka an'ito jaja ito hônahy? Fa momba sy nalahelo aho, sesitany ary nisara-panambadiena. Ija no nanangagna an'ito jaja ito? Ito, navela rery tokôtra aho; avy aja neven'ijany?""22Jao no nilajain'i Yaveh Tompo hoe: "Ito, hanandratra ny tagnako amin'ny firenena Aho, hanandratra ny fagnevaka amin'ny vahôka Aho. Hitondra ny janaka lahinao an-sandriny eo sy ny janaka vavinao an-soro-dreo.23Ny mpanjaka no ho ray mpamelogna anao, ary ny mpanjakavaviny noho mpifehy anao; henkohoka miaraka amin'ny tavany amin'ny tany aminao areo ary hamafa ny vovoka an-kongotrao; ary ho fantatrao fa Aho no Yaveh; ijay nandigny anahy dia tsy ho megnatra."24Sa ve afaka alaina amin'ny mpiady ny Vôsambotra, na ny gadra ho vôvonjy amin'ny mafy? 25Fijao no lajain'i Yaveh: "Eka, halaina amin'ny mpiady ny gadra, ary ho vôvonjy ny vôsambotre; fa hanohitra ny fahavalonao Aho ary hagnavotra ny janakao.26Ho fahanako ny nofon'ny tegnany ny mpampahory anao; ary ho mamon'ny ran'ny tegnan-dreo, hôtran'ny hoe rava divay jane. Dia ho fantatrin'ny olombelogna abiaby fa Aho, Yaveh, no Mpamonjy sy Mpagnavotra anareo, ny Iray Maherin'i Jakoba."
Chapter 50

1Ijao no lajain'i Yaveh: Aja ny fagnamarinam-pisarahana jay nisarahako tamin'ny endrinareo? Ija tamin'ny mpampisambotra Anahy no nivarotako anareo? Ito, namidy anareo noho ny fahotanareo, ary noho ny fahotanareo, ary ny fikomenareo, dia nalefa nandeha i endrinareo.2Nahôna Aho no avy kanefa tsisy olo tagne? Nahôna Aho no nangaika kanefa tsisy namaly? Sa fohika lôtra ny tagnako ba hagnavotra anareo? Sa ve tsy nanan-kery Aho ba hamonjy anareo? Ito, amin'ny fijakako mahare no ho andritako ny ranomasina; hanao ny ony ho efitra Aho; matin'ny tsy fisen-drano sy hetaheta ny laokan-dranone. 3Ampisikignako hejigna ny habakabaka, lamba fisôgnana no andrakofako anijane."4Ny Tompo Yaveh no efa nagnome anahy lela hôtran'ijay efa nampenarina, ba hijakako teny mampahery hôn'ny vijake; mamoha anahy isa-maraigna Ijy; mamoha ny sofiko ba hiteno hôtran'ny efa nampenarina Ijy.5Efa nanokatra ny sofiko Yaveh, ka dia tsy ba nikome aho, na nihodigna nandeha afara. 6Nameko hôn'ijay namely anahy ny lamosiko, sady tarehiko hôn'ijay nagnavotra ny somotro; tsy namony ny tavako tamin'ny fihetsika nahamegnatra sy namparikoriko aho.7Fa ny Tompo Yaveh no hitahy ahy; noho jane dia tsy ho afa-baraka aho; ka dia efa nambôtra ny tarehiko ho afovato aho, satria fantatro fa tsy ho alaina baraka aho.8Ijy jay hagnamarina anahy dia marivo eo. Ija no hanohitra anahy? Andao atsena hitsangagna ka hifagnatrike. Ija no mpempanga anahe? Ôka ijy harivo anahe.9 Ito, ny Tompo Yaveh no hitahy anahe. Ija no hagnavilako anahe? ito, ijy abiaby jay ho rota hôtran'ny akanjo ny kalalao jay hihinagna an-dreo.10Ija aminareo no matahotra an'i Yaveh? Ija no mankatò ny feon'ny mpanompone? Ija no mandeha amin'ny hejigna laligna tsisy fanilo? Tokony hatoky amin'ny agnaran'i Yaveh ijy ka hentehitra amin'Andremanine.11Ito, anareo abiaby jay mandrehitra afo; jay mivatsy fanilo; mandihana amin'ny hajavan'ny afonareo sy amin'ny afo jay efa narehitrareo. Ijany no efa niresinareo hataminahe, dia handrenareo amin'ny toeran'ny fanentegnana egne.
Chapter 51

1Mitenoa Anahy, anareo jay magnaraka ny fahamarinana, anareo jay mandremy an'i Yaveh: jereo ny vatolampy jay nangalana anareo sy fangadiem-bato jay nangalana anareo.2Jereo Abrahama, iabanareo, sy Saraha jay niteraka anareo; tamin'ijy bola raike, dia nangaika anajy Aho. nitahy anajy Aho ary nagnabe anaje.3Eka, Yaveh no hampionogna an'i Ziona; hampionogna ny toerana banga Ijy; ny tany efitra namboariny hôtran'i Edena, ny tany maigna tsisy inonino agnilan'ny Ony lohasahan'i Jordana ho hôtran'ny zaridaignan'i Yaveh; faharavoravônasy fifalena no hita aminajy ao, fisôgnana, ary feon'ny fihirana.4"Mifantoha aminahe, a vahôkako! Fa hamôka didy Aho, ary hatako ho fagnajavana hôn'ny firenena abiay ny fahamarinako. 5Marivo ny fahamarinako; hivôka ny famonjeko, ary ny sandriko no hitsara dia handigny Anahy; fa ny sandriko no andiasan-dreo fatratra.6Andrandrao amin'ny lagnitra egny ny masonareo, ary jereo ny tany ambane, fa ho levogna hôtran'ny setroka ny lagnitra, ny tany ho vorigny hôtran'ny akanjo, ary ny mponina amin'ijany ho faty hôtran'ny lalitra. Fa ny famonjeko dia haharitra mandrakijay, ary ny fahamarinako dia tsy hitsahatra hiasa.7Mitenoa Anahy, anareo jay mahalala ny marina, anareo vahôka jay managna ny lalako am-ponareo ao: "Aja matahotra ny faniratsiran'ny olo na kivy amin'ny fagnararôtane. 8Fa ny kalalap hihinagna an-dreo hôtran'ny akanjo, ary ny hankagna hihinagna an-dreo hôtran"ny volon'ondry; fa ho mandrakijay ny fahamarinako, ary hôn'ny taranake abiaby ny famonjeko."9Mifohaja, mifohaja, tafio hery ny tegnanareo, dia ny sandrin'i Yaveh. Mifohaja hôtran'ny tamin'ny andro taloha, ny taranaka tamin'ny fotôgna taloha. 10Tsenao ve no nagnitsakitsaka an-dRahaba, anao jay nandefogna ny dragogna? Tsy anao ve no nandritra ny ranomasina, ny ranon'ny laligna indrindra, ary magnano ny fagnambaran'ny ranomasina ho lalam-pamonjena ba handalovana?11Ny nagnavotan'ny Yaveh dia hiverigna ary handeha a Ziona amin'ny hiekam-piravoravôna sy am-pifalena mandrakijay amin'ny lohan-dreo; ary ny fifalena sy faharavoravôna hameno an-dreo, ka hilefa an-dreo ny alahelo sy ny fisôrana.12"Aho dia Aho no mampionogna anao. Ino no hatanareo ny olo, jay ho faty, ny janak'olombelogna jay natao hôtran'ny ahitra?13Nahôna no nagnadigno an(i Yaveh jay mpahary anao anao, jay nanjijitra ny lagnitra sy nametraka ny fagnambanen'ny tane? Miaigna amin'ny tahotra lalandava anao isan'andro nohon'ny firehetan'ny fahavigniran'ny mpampahory laha tapa-kevitra ny handringagna ijy. Aja ny havigniran'ny mpampahory?14y mitagnondrike, ho avy malaky hagnafaka i Yaveh; tsy ho faty ary tsy handeha hidigna an-davaka agny, na tsy hanagna mofo ijy. 15Fa Aho no Yaveh Andremanitrao, jay mampanonja ny ranomasina ba hampierogna ny onjanijane__ Yaveh Tompon'ny rehetra nEgnarane.16Efa nametraka tambavanao teo ny jakako, sady nandrakotra anao tamin'ny aloky ny tagnako Aho, ba ahafahako mambôtra ny lagnitra, sady magnavela ny fagnambanen'ny tane, ka hijaka amin'ny Ziona hoe: 'Vahôkako anao.'''17Mifohaja, mifohaja, mitsangàna, ry Jerosalema, anao jay efa ninogna tamin'ny tagnan'i Yaveh hatamin'ny lovian'ny havignirane; anao hategny amin'ny faikany ambany amin'ny kapôkan'ny fivembegnana. 18Tsisy tamin'ny janagny lahy abiaby jay nateragny ba hitarika anajy; tsisy tamin'ny janagny lahy jay natsangagny ba hitondra anaje.19Mitranga aminao io olagna rolahiteo io_ija no halahelo miaraka aminao?_faharavana sy fandringagnana, ary mosare sy mesa. Ija no hampionogna anao? 20Efa vijaka ny janakao lahy; lavo anjoron-dalam-be egny areo, hôtran'ny laokandrano agnaty harato; mameno an-dreo ny havigniran'i Yaveh ny jaka mafin'Andremanitrao.21Fa amijao die tenoy jao, anao jay nampahorena sy nimamoina, nefa tsy mamon-divay: 22Yaveh Tomponao, Andremanitrao, jay mandahatra ny manjo ny olone, mijaka hoe: "Ito, efa nalaiko tan-tagnanao ny kapôkan'ny fivembegnana_ny lovia, jay kapôkan'ny havignirako_ba tsy hinomanao anijany koa.23Hatako an-tagnan'ny mpagnenjika eo anao jane, jay efa nijaka taminao hoe: "Mitsilagnia ba hahafahanay mandidididia anao'; natanao ho hôtran'ny tany sy hôtran'ny lalagna handihannn-dreo ny lamosignao.
Chapter 52

1Mifohaja, mifohaja, tafio ny herinao, ry Ziona; tafio nekanjonao tsara tarehe, ry Jerosalema, tanàna masina; fa tsy hiditra aminareo koa ny tsy vôfora na ny maloto.2Ahintsagno ny vovoka amin'ny tegnanareo; mierena sady mitoboha, ry Jerosalema; alay ny rojo vy ambojognao io, ry janaka vavin'i Ziona gadra. 3Fa jao no jakain'i Yaveh hoe: "Namidy maimaimpôgna anareo, sady ho vonjena maimaimpôgna."4Fa jao no ambaran'ny Tompo Yaveh: "Tan-pendohana ny oloko dia nandeha nidigna a Egypta ba hipetraka mandritra ny fotôgna vôfetre; efa nampahoren'i Asyria vô tsy ela areo.5Amijao die ino no hanagnako eto _jany no fagnambaran'i Yaveh--hita fa nalaina tamin'ny tsy antone ny oloko? Magniratsira jay manapaka amin-dreo--jany no fagnambaran'i Yaveh--ary vôendrikendrika fehijay negnarako totolo andro. 6Noho jany ny oloko dia hahalala negnarako; ho fatan-dreo amjany andro jany fa Aho no mijaka hoe: "Eka, Aho jane!"7Eee ny hatsaran'ny hongotrin'ny mpitondra hafatra an-tendrombohitra egny jay mitondra vôvao tsara, jay magnambara fedanana, jay mitondra jaka tsara mahafale, jay magnambara famonjena, jay mijaka amin'i Ziona hoe: "Manjaka ny Andremanitrao!" 8Tenoy, manandrata ny feony ny mpiambignao, miara-mandregnina fifalena areo, satria hahita ny fiviregnan'i Yaveh amin'ny Ziona agny areo, ny mason-dreo abiaby.9Meraha mihira hiram-pifalena, anareo ry ravan'i Jerosalema; fa Yaveh dia efa nampahery no olone; efa nagnavotra an'i Jerosalema Ijy. 10Efa nampiseho ny sandriny masina tamason'ny firenena abiaby Yaveh; hahita ny famonjen'ny Andremani-tsena ny tany abiaby.11Melà, melà,mivoaha teto; aja mikasika raha maloto; melà tagnivone; diovy ny tegnanareo, anareo jay mitondra ny fanak'i Yaveh. 12Fa tsy tampoka no hivoahanareo, na tahotra no helanareo; satria Yaveh dia handeha heloha anareo; ary ny Andremanitr'Israely no ho vodi-lalagnareo.13Ito, hiasa am-pahendrena ny mpanompoko; hômbony sy hisandratra ijy, ary hômbony rindrigna. 14Fa hôtran'ny nigagan'ny abiaby taminao___dia simba lôtra tsy hôtran'enolombelogna ny tavane, ary tsy hita hôtran'ny olombelogna koa ny endrigne.15Na dia jany aja, hamafy firenena rahabe ny mpanompoko ary hagnakombogna ny vavany nohôn-dreo mpanjaka. Fa jay tsy bola nijakain-dreo, dia ho hitan-dreo, ary jay tsy bola regnin-dreo, dia ho ajon-dreo.
Chapter 53

1Ija no nino jay regniny hataminay, ary tamin'ija no nagnatorôna ny sandrin'i Yaveh? 2Fa nitombo hôtran'ny jana-kajo madinika talohan'i Yaveh ijy, ary hôtran'ny tsiry hatamin'ny tany maigna be; tsy nanagna hatsaran-tarehy mahatalanjogna na famirapiratana ijy; laha nahita anajy atsena, dia tsy nisy hatsarana manintogna atsena tegne.3Ijy dia nitsinotsiniavina ary nilan'olo; olon'ny alahelo, ary jatra fahorena. Hôtran'ny ray jay hamonen'ny olo ny tarehine, natao tsinotsino ijy; ary atan-tsena hôtran'ny tsisy dikane.4Kanefa nitondra ny haren-tsena tokôtra ijy ary nijaka ny alahelon-tsena; fa nihevitra atsena hoe nosajin'Andremanitra ijy, na nasen'Andremanitre, ary nampahorena.5Fa nolefognina noho ny asa fikomen-tsena ijy; potika nohon'ny otan-tsena ijy. Nysajin'ny fedanan-tsena dia taminajy ary tamin'ny ratrany no napahafakan-tsena.6Atsena dia hôtran'ny ondry jay nandeha tamin'ny lalan-diso: samy nandeha tamin'ny lalagny aby atsena, ary Yaveh nametraka ny fahotan-tsena abiaby taminaje.7Nampahorena ijy; nefa nagnetry tegna ijy, dia tsy nanokatra ny vavane; tsy nanokatra ny vavany hôtran'ny janak'aondry jay tarihina hômin'ny famonôna; sy hôtran'ny ondry jay mangigna amin'ny pibory anajy ijy.8Tamin'ny fanireterena sy fitsarana no nempangana anaje; ija amin'io taranaka io no bola mieritreritra ny momba anaje? Fa naringagna tamin'ny tanin'ny velogna ijy; nohon'ny fandikan-dalàn'ny oloko dia natao tamin'ny fagnasazena. 9Natan-dreo niaraka tamin'ny dahalo ny fasagne, niaraka tamin'ny lelahy manan-karena ny fahafatesane, na dia tsy nanao herisetra anajy ijy, na nisy fitaka aja tamin'ny molony teo.10Fa sitrapon'Yaveh ny hamotika anajy sy hanao anajy ho marary. Laha natany ho sorogna hôn'ny fahotana ny aigne, dia hahita ny fandrombejany ijy, hagnalava ny androny ijy, ary ny tanjogn'i Yaveh dia ho tanteraka amin'ny alalagne. 11Afaran'ny fijalena tamin'ny fiagnany teo, dia hahita fahajavana ijy ary ho afa-po amin'ny fahalalane. Ny mpanompoko marina no hagnamarina ny abiaby; hitondra ny helon-dreo ijy.12Noho jany dia hagnome anajy ny anjarany amin'ny abiaby eo aho, ary hijara ny gadra amin'ny abiaby ijy, satria nampiharihary ny tegnany tamin'ny fahafatesana ijy ary natao ho isan'ny mpandika lalàna. Nitondra ny otan'ny abiaby ijy ary nagnelagnelagna ny mpandika lalàna.
Chapter 54

1"Mihirà, ry viavy momba, anareo jay tsy niterake; miravoravoa amin'ny hiram-pifalena ary mihiakiaha mahare, anareo jay tsy ba nihetsi-jaja. Fa ny janaky ny mpitondra tegna dia lalo rahabe noho ny janaky ny viavy manambady," hoy i Yaveh.2Atôvy angejabe ny lainareo ary velaro ny ambain-dainareo, velaro tsara; halavao ny tadinareo ary hamafiso ny tsato-kajonareo. 3Fa hiely an-kavanana sy an-kavia agny anareo, ary io taranakareo dia handresy an'io firenena ary honigna amin'ny tanàna lao.4AJa matahotra fa tsy ho megnatra anao io, na kivy tsy ho afa-baraka anareo; hagnadigno ny hegnatry ny hatanoranareo sy ny fahafaham-barakan'ny fandôjana anareo anareo.5Fa ny Mpahary anareo no vadinareo; Yaveh tompon'ny rehetra Agnarane. Ny Iray Masin'Israely no Mpagnavotra anareo; Ijy dia angihana hoe Andremanitry ny tany abiaby. 6Fa Yaveh efa namerigna nangaika anareo ho hôtran'ny vady jay nilôjana sy malahelo am-pagnahy, hôtran'ny viavy nanambady tanora ary narena," ho nEndremanitrareo.7"Fa nagnary anareo nandritra ny fo tôgna fohika Aho, fa amin'ny fangorahana be no hamoreko anareo. 8Vetivety mandy no namoneko ny tarehiko taminareo tamin'ny tondra-dranon'ny havignirana; fa amin'ny fagnekena matoky tsy manam-pahataperana no nangorahako anareo---hoy i Yaveh, ny raika jay magnavotra anareo.9Fa jao dia hôtran'ny tondra-dranon'i Noa Aminahe: hôtran'ny niagnako fa ny tondra-dranon'i Noa dia tsy handalo amin'ny tany koa, no hiaignako fa tsy ho vignitra aminareo na hijaka mare anareo Aho. 10Na holavo aja ny tendrombohitra na koa hihojongojogna aja ny haragna, ny fitiavako tsy miova koja dia tsy hihodigna aminareo, na ny fedanako matoky ho vôhojongojogna--hoy i Yaveh, jay mamindra fa anareo.11Anareo ory, afotofoton'ny tafio-drivotra sy tsy managna fampionognana, ito, hatako amin'ny vatosoa ny rarivatonareo, ary amin'ny safira no hamilako ny fototrareo. 12Hatako robina ny tilikambonareo ary amin'ny vato mamirapiratra ny vavahadinareo, ary ny mandanareo ivelany agny amin'ny vato tsara tarehe.13Dia i Yaveh no hampianatra ny janakareo abiaby; ary ho lehibe ny fedanan'ny janakareo. 14Amin'ny fahamarinana no hamiregnako anareo amin'ny lônine. Tsy hiaigna fagnenjehana koa anareo, ka tsy hatahotra anareo, ary tsy hisy na ino na ino mampatahotra ho avy agnilanareo eo.15Ito, laha misy olo mitarika korontagna, dia tsy avy Aminahy jany; na ija na ija mitarika korontagna aminareo eo dia ho lavo amin'ny faharesena. 16Ito, efa nambôtra mpanao asa tagnana, jay mitsioka ny vain'afo mirehitra ny manefy fitôvam-pediena ho asany Aho, ary efa nambôtra ny mpanimba ba hanimba Aho.17Tsisy fitôvana jay vôforogna hanohitra anareo haharese; ary anareo dia hagnameloka jay abiaby mempanga anareo. jany no lovan'ny mpanompon'i Yaveh, ary ny fagnamarinan-dreo hatAminahe--ijany no fagnambaran'i Yaveh."
Chapter 55

1"Avia, anareo abiaby jay mangetaheta, mandihana amin'ny rano eo, ary anareo jay tsy manam-bola, avia mividiana sady mihinana! Avia, mividiana divay sy ronono tsy andoavam-bola sady tsisy vidine.2Nahôna anareo no mandanja volafotsy hômjay tsy mofo, ary nahôna anareo no miasa mafy amin'ijay tsy mahafa-po anareo? Tenoy tsara Aho ka mihinana jay tsara, ary amin'ny hatavejana hahafinaritra ny tegnanao.3Atongilagno ny sofignareo ary magnantogna aminahy atoy! Mitenoa, dia ho velogna anareo. Hanao fagnekena mandrakijay aminareo AHo: ny tokiko, fitiavana mampatoky nampanantenain'i Davida. 4Ito, efa natako amin'ny toerany hôtran'ny vavolombelogna hôn'ny firenena ijy, hôtran'ny mpitarika sy mpibeko hôn'ny vahôke.5Ito, hangaika ny firenena jay tsy fantatrareo anareo; ary ny firenena jay tsy nahafantatra anareo no hihajakajaka handeha aminareo nohon'ny Yaveh Andremanitrareo, ny masin'Isarely, jay efa nagnome voninahitra hônareo."6Mandrombeja an'i Yaveh dieny bola hita Ijy; mangaika Anajy dieny bola marivo anao eo Ijy. Ôka hiala amin'ny lalagny ratsy fagnahy, ary ny mpanota hiala amin'ny eritrerine. 7Ôka ijy hiverigna amin'i Yaveh, dia hihantra anajy Ijy, ary an'Andremani-tsena, jay hamela tanteraka anajy.8Fa ny fihevitro tsy fihevitrareo, na ny lalagnareo no lalako__jany no fagnambaran'i Yaveh__ 9Fa hôtran'ny fahambon'ny lagnitra jay lalo ambony noho ny tane, no haambon'ny lalako nohon'ny lalagnareo, ary ny fihevitro mihôtra noho ny fihevitrareo.10Fa hôtran'ny erike sy ny fagnala hilatsaka hatan-dagnitra ka tsy mipody egny laha tsy hoe mameno ny tany areo ary hamokatra sy haniry jany ary hagnome voa hôn'ny mpamboly jay mamafy ary mijaraa mofo hôn'ny mpihinagna, 11Ka ho alokin'ny vavako mandy koa ny jaka: tsy ba hipody aminahy amin'ny tsisy dikany jany, nefa jany no hagnatanteraka jay iriko, ary hahomby ijy hômin'ijay nalefako anijane.12Fa hivôka am-pifalena anareo ary hitarihina am-pedanana; ny tendrombohitra sy ny haragna dia ho vaky amin'ny horakora-pifalena agnatrehanareo eo, ary ny hajon'ny saha abiaby dia hiteha-tagnana. 13Laha tokony ho fefy fantsy, dia ny kypreso no haniry; ary laha tokony ho fantsy, dia hajo vôrotra no haniry, ary hoy i Yaveh jane, fa ny agnarene, hôtran'ny famantarana jay tsy ho tapaka mandrakijay.
Chapter 56

1Ijao no lajain'i Yaveh: "Tandremo jay marina, manôva jay rarine; fa marivo ny famonjeko, ary efa hatoro ny fahamarinako. 2Vôtahy ny olo jay manao, sy mitagna mafe anijane. Ijy dia mitandrigna ny Sabata, fa tsy mandoto anijane, ary mifehy ny tagnany amin'ny fanôvan-dratsy."3Ôka ny hafa firenena jay lasa mpagnaraka an'i Yaveh tsy hisy hanao hoe: "Hangala anahy ao amin'ny vahôkany tokôtra Yaveh." Ny tandapa tsy tokony hijaka hoe: "Ito aho fa hajo maigna."4Fa jao no lajain'i Yaveh: "Hôn'ny tandapa jay mitandrigna ny Sabatako, sy mifidy ny ankasitrahiko, ary mitagna ny fagnekeko, 5hôn-dreo no feveko an-dragnoko sy agnatin'ny mandako ao ny tsangam-bato jay lalo tsara nohon'ny manan-janaka lahy sy janaka vave. Hagnome an-dreo tsangam-bato maharitra mandrakijay jay tsy tapahina mihintsy Aho.6Ny hafa firenena jay miaraka amin'i Yaveh mandy koa_ ba hanompo Anaje, ary jay tia negnaran'i Yaveh_ba hidera Anaje, ny olo abiaby jay mitandrigna ny Sabata, jay mitagna amin'ny tsy fandotôna anijane, ary jay mitagna ny fagnekeko 7_dia handako an-tendrombohitro masina agny ary hampiravoravôko an-dragnon'ny fivavahako ao areo; ny fagnatitra rôna sy ny soron-dreo dia hikena ambonin'ny alitarako eo. Fa ny tragnoko hangihana hoe tragno fivavahana hôn'ny firenena abiaby,8Ijany no fagnambaran'i Yaveh Tompo, jay mamorovoro ny vahôkan'Israely_bola hamorovoro ny hafa ho fagnampin-dreo Aho."9Anareo bibidia abiaby an-saha agne, avia ka arapaho, anareo bibidia abiaby agn'ala agne! 10Ny mpitily anajy abiaby dia jamba, tsy mahatakatra an-dreo. Amboa môgna aby areo ka tsy afaka mivovoa. Magnonofe, sy mitsilailay areo ary tia matory.11Tenda-kanina marina ny amboa; tsy mety voky mihintsy areo; mpiambigna ondry tsy mahay magnavaka areo; nivily tamin'ny lalagny aby ijy abiaby ny tsirairay. 12"Avia" hoy areo: "Andao hinogna divay sy tôka atsena. ho hôtran'ny niany nempitso, andro lehibe tafahôtre."
Chapter 57

1Maty ny marina, nefa tsisy mihevitra anijane, ary navory ny olon'ny fagnekena matoky, nefa tsisy olo mahatakatra fa avory hatmin'ny ratsy ny marina. 2Miditra amin'ny fedanana ao ijy; miala sasatra an-pandreny ei areo, dia jay mandeha amin'ny fahitsiena.3Fa magnantognaeto, anareo janaky ny mpagnandro, janky ny mpijangajanga ary ny viavy jay efa nivaro-tegna. 4Ija no megneso amin-kafalena anareo? Amin'ija no anpkafanareo vava sy hibalalahanareo lela? Sa ve tsy janaka mpikome, janaka mpamitaka anareo?5Magnafana anareo amin'ny ferahana matory ambanin'ny hajo tarebinta, ambanin'ny ahi-metso abiaby anareo. Anareo jay mamono ny janakareo amin'ny endrinareo maigna eo, ambanin'ny elakelam-bato eo.6Amin'ny kilonjy makaman'ny reniranon-dohasaha ny raha jay nitendreko hônareo. Io no anton'ny fanoloran-tegnanareo. Anareo dia mandraraka ny fagnatitrareo sorogna hôn-dreo sy mandraraka ny fagnatitra vare. Amin'ny raha io ve no tokony hifaleko?7Nagnomana ny fandrenareo tan-tendrombohitra ambony anareo; niakatra tagny koa anareo ba hanolotra ny sorogna. 8Tambohon'ny varangaragna sy ny tolam-barangaragna no namitrahanareo ny famantaranareo. Anareo dia nilefa nandao Anahe, nampijily ny tegnanareo, ary niakatra; nampijily ny fandrenareo. Nambôtra fagnekena tamin-dreo anareo; nitia ny fandren-dreo anareo; nahita ny faritra saro-padiny anareo.9Nnadeha amin'i Moleka niaraka tamin'ny diloilo anareo; nampitombo ny java-magnitra anareo. Nandefa ny irakareo lavitra anareo; nidigna tagny amin'ny fianan-tsy hita anareo. 10Vijaka ny dienareo lavitra anareo, nefa tsy nijaka mihintsy anareo hoe: "Tsisy fagnantenana jane. "Nahita fiagnana tan-tagnanareo teo anareo; noho jany dia tsy nihaosa anareo.11"Ija no ahianreo? Ija no atahoranareo mafy ka nahatonga anareo hamitake, ka tsy nahatsiaro na nieritreritra Anahy anareo? Satria nangigna efa ela Aho ary tsy matahotra Anahy koa anareo. 12Hagnambara ny asa marinareo sy hilaja jay efa natanareo abiaby Aho, fa tsy hitahy anareo igne.13Laha mitaraigna anareo, ôka hamojy anareo igne karajagna sampinareo. Laha tokony rivotra no hitondra anajy abiaby igne, dia ny fofogn'aigna no hitondra anajy abiaby. Fa jay mialoka Aminahy dia handova ny tany sy hangala ho fanagnana ny tendrombohitro masina.14Hijaka ijy hoe: 'Amboary, amboary! Savao ny lalagna! Alay tamin'ny lalagnin'ny vahôkako ny raha mahatafantohigna abiaby!"" 15Fa jao lajain'Ny ambony sy ny ambo, jay velogna mandrakijay, masina nEgnarane: "Aho dia mipetraka amin'ny toerana ambony sy masina, miaraka aminajy ka ny fagnahy torotoro sy manetry tegna, ba hamilomana indraika ny fagnahin'jay manetry tegna, ary ba hamilomana indraika ny fon'jay manegnina.16Fa tsy hempanga maandrakijay, na ho vignitra mandrakijay Aho, fa ny fagnahin'olo dia vijaka talohako teo, dia ny aigna jay namboariko. 17Nohon'ny fahotan'ny tombony tsy ara-drarine, dia vignitra Aho, ary nagnafay anaje; nagnavony ny tarehiko Aho sady vignitre, nefa nandeha tamin'ny lalagnin'ny fony ijy.18Efa nahita ny lalagny Aho, nefa hafahiko ijy. Hitarika anajy Aho ary hampahery sy hampionogna ijay misôgna hônaje, 19ary forogniko ny vokatrin'ny molone. Fedanana, fedanana, hôn'ijay lavitra sy hôn'ijay marivo agne_hoy i Yaveh_hafahiko areo.20Kanefa ny ratsy fagnahy dia hôtran'ny ranomasina misamboaravoara, jay tsy afaka miegnina, ary ny ranon'ijany dia fotaka misamboaravoara. 21Tsisy fedanana hôn'ijay ratsy fagnahy_hoe Andremanitre."
Chapter 58

1"Mitomagnia mahare; aja tanana. Asandrato hôtran'ny antsiva ny feonao. Atreho amin'ny fikomeny ny oloko, ary amin'ny fahotany ny ankohonan'i Jakoba. 2Kanefa bola mandremby anahy isan'andro areo ary finaritra amin'ny fahalalana ny lalako, hôtra'ny firenena jay nanao ny fahamarinana ary tsy nahafoy ny lalàn'ny Andremani-dreo. Mangataka fitsarana marina aminahy areo; finaritra amin'ny fihevera ny faharivosan'Andremanitra areo.3'Nahôna ahay no nifady' hoy areo, 'Kanefa tsy hitanao ijane? Nahôna ahay no nagnetry tegna, kanefa tsy tsikarotro?' Ito, amin'ny andron'ny fandrombejanareo no hahitanareo ny fahafinaretanareo manokagna ary ampahorinareo ny mpiasanareo abiaby.4Ito, mifady hanina anareo ba hianditra sy hiady, ary hamely amin'ny fetrikin'ny faharatsenareo; tsy mifady anareo niany ba ho regny ambony agny ny feonareo. 5Ijany tokôtra ve no karajagna fandrombejana tieko: Andro hagnetren'ny abiaby ny tegnany, ba hampiondrehany ny lohany hôtran'ny volotara, ary hamelarany ny lambane? Fandrombejana tokôtra ve no angihanareo anijane, andro ifalen'i Yaveh?6Tsy jao ve no fandrombejana: Ny hagnafaka ny famatoran'ny faharatsena, ny hamaha ny tadin'ny Zoga, ny hagnafaka ny torotoro, ny hanapaka ny zoga abiaby? 7tsy ny hijara ny mofonao amin'ny tehinagna ary hitondra ny mahantra sy ny tsy manan-kelofana hôn-dragnonao ve ao" Laha mahita hampitafy anaje; ary tsy tokony hamony ny tegnanao amin'ny havanao mandy anao.8Dia hipôka hôtran'ny masondro ny fahajavanao, ary haniry malaky ny fampahafahana anao; handeha alohanao eo ny fahamarinanao, ary ny voninahitr'i Yaveh no ho vodi-lalagnao.9Dia hangaika anao, ary hamaly Yaveh; hihorakoraka famonjena anao, ary hijaka ijy hoe: "Toy Aho." Laha nalaina hiala aminao ny zoga, ny fanondro mempanga, ary ny laha-tenin'ny faharatsena, 10laha magnome hôn'ny tehinagna anao ary mamoky ny tra-pahorena; dia hiposaka amin'ny hejigna ao ny fahajavanao, ary ny hejignao ho hôtran'ny amin'ny mitatao vovognana.11Dia hitarika anao lalandava Yaveh ka hamoky anao agny amin'ny faritany jay tsisy rano, ary hatanjaka ny tôlagnao Ijy. Ho hôtran'ny sahan-drano anao, ary hôtran'ny loharano, jay tsy miefgnina mandrakijay ny ranone.12Ny sasagny aminareo dia hamorogna indraika ny rava taloha; hanangagna ny ravan'ny taranaka rahabe anareo; hangihana anareo hoe," "Mpamerigna ny lalagna honegnana."13Laha atao hoe mamily ny hongotrao hiala amin'ny fanôvana dia amin'ny andro Sabata anao, ary hila amin'ny fanôvana ny fahafinaretanao manokagna amin'ny androko masina. Laha atao hoe mangaika ny Sabata ho sitrraka, ary mangika ny raharahan'i Yaveh ho masina sy manan-kaja ny Sabata amin'ny fagnomagnana ny raharahanao manokagna anao, ary amin'ny tsy fandrombejana ny fahafinaretanareo manokagna ary amain'ny tsyfilajana ny jakanao manokagna.14Dia hahita mamy amin'i Yaveh ao anao; ary hampidibako ny haambon'ny tany anao; hamoky anao hatamin'ny lovan'i Jakoba iabanao Aho---fa ny vavan'i Yaveh no nijaka."
Chapter 59

1to, ny tagnan'i Yaveh tsy fohika mihintsy ka tsy hahavonjy; ary ny sofigny tsy lalondalovana, ka tsy hahavonjy; ary ny sofigny tsy lalondalovagna, ka tsy naharegne. 2Ny asa asa ratsinareo, kanefa, no nampisaraka anareo tamin'ny Andremanitrareo, ary ny fahotanareo no nahatonga Anajy hagnamafy ny tarehiny aminareo ka tsy hiteno anareo.3Fa tasin'ny rà ny tagnanareo ary ny ratsan-tagnanareo tsin'ny fahotana. Milaja vandy ny molotrareo ary ny lelanareo mijaka amin-kafetsena. 4Tsisy mangaika ny marina, ary tsisy mifona amin'ny fahamarinana. Mitoky amin'ny jaka fahatany areo, ary milaja vande; vandy no torotorognony ary fahotana no ateragne.5Mikotrika atondim-bibilava feno poijina areo ary mandrary tragnon-paroratre. Jay abiaby mihinagna ny atodiny dia mate, ary laha misy atody vôdidia, dia foy ho bibilava feno poijina jane. 6Tsy ajo am-pesaina hatao aknjo ny farorane, na afaka mandrakotra ny tegnany ny asane. Asan'ny fahotana ny asane, ary asan'ny herisetra no an-tagnany eo.7Mihajakajaka handeha amin'ny ratsy ny hongone, ary mihajakajaka handatsaka rà tsy manan-tsigny areo. Fihevitra fahotana ny fiheviny; herisetra sy fandravana no lalagne. 8Ny lalan'ny fedanana tsy ba fatan-dreo, ary tsisy rariny amin'ny lalagny eo. Nagnambôtra lala-meloka areo; jay abiaby mandeha amin'ijany lalagna jany dia tsy mahita fedanana.9Noho jany dia lavitra anay ny rarine, ary tsy mahatratra anay ny fahamarinana. Mandigny fahajavana ahay, nefa mahita hejigna; mandremby famirapiratana ahay, kanefa mandeha amin'ny hejigna. 10Mitsapatsapa rindrigna hôtran"ny jamba ahay, hôtran'jay tsy mahita. vôfingagna amin'ny atoandrobenagnahary ahay hôtran'ny hoe amin'ny hariva; amin'ny mahery eo dia hôtran'ny olo maty ahay.11Mierogna hôtran'ny bera ahay ary mitolokoloko hôtran'ny voromailala; mandigny rariny ahay, fany tsisy; mandigny fanavotana, nefa lavitra anay jane.12Fa alohanao eo ny helokay, ary ny fahotanay no mempanga anay; fa ny helokay dia miaraka aminay, ary fantatray ny fahotanay. 13Nikomy ahay, nandà an'i Yaveh ary niala tamin'ny fagnarahana ny Andremanitray. Nilaja fampahorena ahay ary nivily lalagna, namorogna fitaregnana hatam-ponay sy vande.14Nalaina ny rarine, ary mijoro lavitra ny fahamarinana; fa tafantohigna ankalamanjana egny ny fahamarinana, ary tsy ho avy ny marina. 15Efa dikatra lavitra ny fahamendreham-pitokisana, ary ny raika jay miala amin'ny ratsy no mahatonga ny tegnany ho tra-doja. Hitan'i Yaveh jany ary tsy faly Ijy fa tsisy ny rarine.16Nahita Ijy fa tsisy olo, ary talanjogna fa tsy ba misy miditra an-sehatra. Noho jany dia ny tagnany hiany no nitondra famonjena hôn'Aje, ary ny fahamarinany no nanohagna Anajy.17Mitafy fahamarinana ho rako-tratra Ijy ary aro-loha famonjena amin'ny lohane eo. Nitafy ankanjo valifaty ijy ary nanao ny jotom-po ho aron'akanjo. 18Nivaleny noho jay vitan-dreo, dia fitsarana feno fahavignirana amin'ny rafine, famalena hôn'ny fahavalone, ary famejana ho valim-pitian-dreo.19Ka dia hatahotra ny agnaran'i Yaveh hatan-drefana areo, ary ny voninahiny hatamin'ny fiposahan'ny masoandro; fa ho avy hôtran'ny rieke mipôka Ijy, jay andan'ny fofognain'gni Yaveh. 20"Misy mpagnavotra avy ao Ziona ary amin'ijay miala amin'ny asany feno fikomena amin'i Joba ao--Ijany no fagnambaran'i Yaveh.21Laha ny amianahy, dia jao no fagnekeko amin-dreo--hoy Yaveh--ny fagnahiko jay amin-dreo ao, ary ny jakako jay napetrako tambavanao teo, dia tsy hiala amin'ny vavanao, na hiala amin'ny vavan'ny janakao, na hiala amin'ny vavan'ny jafinao--hoy Yaveh--manomboka jao ka ho mandrakijay."
Chapter 60

1Mitsangàna, mihajavà; fa avy ny fahajavanao, ary efa nisanratra taminao ny voninahits'i Yaveh.2Fa handrakotra ny tany ny hejigna, ary ny firenena ny hejim-pito; nefa hisandratra aminao eo Yaveh, ka ho hitanao ny voninahiny. 3Ho avy amin'ny fahajavanao eo ny firenena, ary amin'ny tara-pahajavanao jay misandratra ny mpanjaka eo.4Mijereva magnodidigna ka tsinjovy. Miara-mamory ijy abiaby ka lasa aminao eo. Ho avy hatalavitra ny janakao lahy, ary handao an-sandriny eo ny janakao vave. 5Dia hijery anao ka ho miramiragna, ary tokony hifaly sy ho safotra ny fonao, satria hararaka aminao ny haben'ny ranomasina, ho lasa aminao ny haren'ny firenena.6Handrakotra anao ny andian-drameva, dia ny rameva tanora a Midiana sy Efaha; io abiaby io dia ho avy agny Shebaaby; hitondra volamena sy ditin-kajo magnitra io, ary hihira fiderana an'i Yaveh. 7Ny ondry sy ny osin'i Kedara abiaby dia havory aminao eo, ny ondrilahin'i Nebaiota dia hety amin'ijay ilainao; ho fagnatitra ankasitrahhina amin'ny alitarako eo io; ary homeko voninahitra ny tragnoko be voninahitra.8Ija moa igne magnembogna hôran'ny rahogna, sy hôtran'ny voromailala ao amin'ny felofana igne? 9Mandremby Anahy ny tany amorontsiraka, ary mitarika ny sambon'ny Tarsisy, ba hitondra ny janakao lahy hatalavitra, ny volafotsiny sy ny volamenany miaraka amin-dreo, hôn'ny agnaran'i Yaveh Andremanitrao, sy hôn'Ny Masin'Israely, satria efa nagnome voninahitra anao IJy.10Ny janaka lahin'ny hafa firenena hanangagna indraika ny mandanao; ary hanompo anao ny mpanjakane; fa na dia tamin'ny havignirako aja no nanajiko anao, dia amin'ny fankasitrahako koja no nalahelovako anao. 11Hivoha fehijay fehijay koa ny vavahadinao; tsy hahidy na andro na aligna io eo. ba hitondrana ny haren'ny firenena, miaraka amin'ny mpanjakany tarihina.12Ny firenena sy ny fanjakana jay tsy hanompo anao dia ho levogna tokôtra; ho rava tanteraka jany firenena jane. 13Ho avy aminao ny voninahitr'i Libanona, ny hajo kypreso, ny kesika, ary ny bosko miaraka, dia hagnendrika ny fitoerako masina; ary hagnome voninahitra ny fitoeran-kongotro Aho.14Ho lasa aminao eo ba henkohoka areo, dia ny janaka lahin'ijay nanetry anao; henkohoka an-kongotra eo areo; nangaika anao hoe Ny tanàn'i Yaveh areo, dia i Zion'Ny Masin'Isarely.15Ho solonao nilôjanao sy nankahalaina, ka tsisy mandalo anao, dia hatako raha fireharehana mandrakijay anao, fifalena hatramin'ny taranaka mifandimby. 16Hinogna ny rononon'ny firenena hiany koa anao, ary hinono amin'ny tratran'ny mpanjaka; dia ho fantatrao fa Aho, no Yaveh, Mpamonjy anao sy Mpagnavotra anao, Ny Masin'i Jakoba.17Ho solon'ny varahigna dia hitondra volamena Aho, ho solon'ny vy dia hitondra volafotsy Aho; ho solon'ny Hajo, dia varahigna; ary ho solon'ny vato, dia vy. Hanendry fedanana ho governoranao aho, ary rariny no mpanapakao. 18Tsy ho regny ao amin'ny taninao koa ny herisetra, na fandravana na fahapotipotehina amin'ny faritaninao ao; fa ho angihanao hoe famonjenana ny mandanao, ary fiderana ny vavahadinao.19Tsy ho fahajavanao ny andro koa ny masoandro, na hamiratra aminao ny fahajavan'ny volagna; fa Yaveh no ho fahajavanao maharitra mandrakijay, ary ny Andremanitrao no voninahitrao. 20Tsy hilentika koa ny masoandronao, na hiala ka hanjavogna ny volanao; fa Yaveh no ho fahajavanao maharitra mandrakijay, ka hifaragna ny andro fisôgnanao.21Ho marina aby ny vahôkanao abiaby; hangala ny tany amin'ny fotôgna abiaby areo, dia ny sampan'gny voliko, ny asan'ny tagnako, ba homena voninahitra Aho. 22Ho avy an-drivony ny kele, ary ho firenena matanjaka ny bitika; Aho, Yaveh, dia hagnatanteraka ny malaky laha avy ny fotôgna.
Chapter 61

1Aminahy ato ny fagnahin'ny Tompo Yaveh, satria nagnosotra anahy hitory vôvao mahafaly amijay ory i Yaveh. Nagniraka anahy ba hanitragna ny marary am-po Ijy, ba hagnambara fahafahana amin'ny gadra, ary fisokafan'ny fonja hôn'ijay vôfehe.2Nagniraka anahy ba hagnambara ny taogna fankasitrahan'i Yaveh, ny andron'ny valifatin'ny Andremani-tsena, sy ba hampionogna ani'jay abiaby misôgna ijy.3Nagniraka anahy Ijy---ba hagnome hôn'ijay misôgna a Ziona--ba hagnome satroka hôn-dreo fa tsy lakevigna, diloilom-pifalena fa tsy fisôgnana, lamba fiderana ho solon'ny faharetan'ny fagnahy, ba hangihana an-dreo hoe hajon'ny fahamarinana, jay nambolen'i Yaveh, ba homem-boninahitra ijy.4Hanangnagna ny rava taloha indraika areo; hagnampody ny fandravana taloha indraika areo. Hagnampody ny tanàna rava indraika areo, ny fandravana tamin'ny taranaka rahabe taloha teo. 5Hitsangagna ary hamahagna ny ondry sy osinareo ny vahiny, ary ny janaka lahin'ny tanim-bôlobokareo.6Hangihana hoe mpisorogn'i Yaveh anareo; hangaika anareo hoe mpanompon'Endremani-tsena areo. Hihinagna ny haren'ny firenena anareo, ary hirehareha amin'ny haren-dreo. 7Hahajo indroy mentôgna anareo solon'ny hegnatrareo; ary hifaly amin'ny fijaran-dreo anareo solon'ny fahafaham-baraka. Noho jany areo dia hahajo anjara indroy mentôgna amin'ny tanin-dreo; hafalena mandrakijay no hôn-dreo.8Fa Aho, Yaveh, dia tia rarine, ary halako ny fandrobana sy ny herisetra tsy ara-drarine. Hamaly an-dreo am-pahamarinana Aho, ary hambôtra fagnekena mandrakijay amin-dreo. 9Ho fantatra amin'ny firenena eo ny tarana-dreo, ary amin'ny vahôka eo ny jana-dreo. Jay abiaby mahitan-dreo dia hagneky an-dreo, fa areo no vahôka jay nitahin'i Yaveh.10Hifaly tanteraka amin'i Yaveh aho; ho ravo amin'nEndremanitro ao aho. Fa Ijy no mpampekanjo anahy tamin'ny fitafen'ny famonjena; nampekanjo anahy tamin'ny akanjo lavan'ny fahamarinana Ijy, hôtran'ny mpampiakatra mandravaka ny tegnany amin'ny satroke, ary hôtran'ny ampekarina mandravaka ny tegnany amin'ny firavagne. 11Fa hôtran'ny tany mampaniry ny java-maniry aminajy ao, no hampanirien'i Yaveh fahamarinana sy fedanana alohan'ny firenena abiaby eo.
Chapter 62

1Nohon'ny Ziona dia tsy hangigna aho, ary nohon'ny amin'i Jerosalema dia tsy hikombom-bava aho, mandra-pivoahan'ny fahamarinana mamirapiratra, ary ny famonjeny hôtran'ny fanilo mirehitre. 2Hahita ny fahamarinanao ny firenena, ary ny mpanjaka abiaby ny voninahitrao. Hangihana amin'ny agnarana vôvao anao jay hisafidin'i Yaveh.3Ho satro-boninahitry ny hatsarana an-tagnan'i Yaveh eo mandy koa anao, ary satroky ny fanjakana an-tagnan'ny Andremanitrao. 4Tsy hilajaina neminao koa ny hoe: "Nafoy"; na ho lajaina amin'ny taninao koa ny hoe: "Lao." Fa koja, hangihana hoe: "Ny sitrako," ary ny taninao hoe: "Manambady," satria sitrak'i Yaveh anao, ary hanambady ny taninao.5Hôtran'ny tovolahy manambady tovovavy tokôtra, no hanambadien'ny janakao anao, ary hôtran'ny mpampiakatra mifaly amin'ny ampekarine, no hifalen'ny Andremanitrareo aminareo.6Nagnavilako mpiambigna tamin'ny mandanao, ry Jerosalema; tsy mangigna areo andro sy aligna. Anareo jay mampatsiahy an'i Yaveh, aja miegnona. 7Aja avela hiala sasatra ijy mandra-pametrahany an'i Jerosalema indraika sy mandra-panôvany anijany ho fiderana eto an-tane.8Nifantana tamin'ny tagnany an-kavanana sy tamin'ny sandrin'ny heriny Yaveh hoe: "Ajo antoka fa tsy hagnome ny varinareo ho rahaninaa hôn'ny fahavalonareo koa Aho. Ny vahiny dia tsy hinogna ny divay vôvaonareo, jay nesanareo. 9Fa jay mambely ny vary dia hihinagna anijany sy hidera an'i Yaveh, ary jay mambely vôloboka dia hinogna ny divay amin'ny fitsàran'ny fitoerako masina ao."10Mivoaha, mivoaha amin'ny vavahady! Omagno ny lalagna hôn'olo! Amboary jany, amboary ny lalam-be! Avorio ny vato! Manangàna saigna famantarana hôn'ny firenena!11Ito, magnambara amin'ny faran'ny tany Yaveh hoe: "Lajao amin'ny janaka vavin'i Ziona hoe: "Ito, avy ny mpagnavotra anareo! Jereo, miaraka amin'ny valisoane, ary mandihana alohany ny valin-kasasarane eo." 12Hangaika anareo areo hoe: "Ny vahôka masina; ny navotan'i Yaveh," ary anao dia hangihana hoe: "Nirombenjina; tanàna tsy nafoe."
Chapter 63

1Ija toy jay hatagny Edoma toy, nanao akanjo menamena hatagny Bozra? Ija moa ijy jay nitafy akanjon'andrena, mandeha am-pahatokisana nohon'ny haben'ny herine? Aho jane, jay milaja fahamarinana sy mahavonjy tanteraka. 2Nahôna no mena ny fitafenao, ary nahôna areo no hôtran'ijay efa nandidia ny vôloboka amin'ny famiejana eo?3Nagnosihosy rery ny vôloboka tamin'ny famiejana teo Aho, ary tsisy na dia firenena raika aja nagnantogna Anahe. Nihosekosehiko tamin'ny havignirako sy nididiadidiako tamin'ny havignirako areo. Ny ràn-dreo dia nipitsika tamin'ny lambako ary vôloto ny lambako abiaby. 4Fa tsy andriko ny andron'ny famaleko, ary ny taognan'ny fagnavotako dia efa avy.5Nijery Aho, ary tsisy na ija na ija nitahe. Talanjogna Aho fa tsisy nitahe, fa ny sandriko no nitondra fandresena hôn'Ahe, ary ny havignirako be no nanohagna an'Ahe. 6Nididiadidiako tamin'ny havignirako ny olo ary nahamamo an-dreo tamin'ny havignirako Aho, ary naidiko tamin'ny tany teo ny ràn-dreo.7Hagnambara ny asan'ny fagnekena matokin'i Yaveh aho, ny asa mendri-piderana natan'i Yaveh. Hagnambara jay abiaby natan'i Yaveh hô-tsena aho, ary ny haben'ny fanôvan-tsarany tain'ny taranak'Israely. Efa natoriny atsena ny fangoraham-pony nohon'ny famindrampone, ary tamin'ny asa maron'ny fagnekena matoky. 8Fa hoy ijy: "Fa oloko tokôtra areo, janaka jay tsy ba tsy mena-mivadika. "Tonga Mpamonjin-dreo Ijy.9Tamin'ny fijalen-dreo abiaby, dia nijaly koa ijy, ary namonjy an-dreo ny anjely hatamin'ny fagnatrehane. Amin'ny fitivany sy ny famindrapony no namonjeny an-dreo, ary nandratra sy nitondra areo, ary nandratra sy nitondra an-dreo tamin'ny fotôgna taloha abiaby Ijy.10Fa nikomy sy sorena tamin'ny Fagnahy Masiny an-dreo. Ka tlasa fahavalon-dreo Ijy ary niady hanohitra an-dreo.11Ny olony dia nihevitra ny fotôgnan'i Mosesy taloha. Hoy areo: "Aja Andremanitra, jay nitondra an-dreo nivôka tamin'ny ranomasina miaraka amin'ny mpiandry ondry sy osine? Aja Andremanitra, jay nametraka ny Fagnahy Masina tamin-dreo?12Aja Andremanitra, ny nanao ny heriny be voninahiny nandeha tamin'ny tagnana ankavanan'i Mosesy, ary nampisaraka ny rano talohan-dre, ba hanôvana agnarana mandrakijay hôn'Ajy? 13Aja Andremanitra, ny nitondra an-dreo tamin'ny rano laligna? hôtran'ny sôvaly mihajakajaka amin'ny tany mahitsy egny, tsy tafantohigna areo.14Hôtran'ny biby fompena jay midigna an-dohasaha, ny Fagnahin'i Yaveh nagnome fegnenana areo. Ka nitondra ny vahôkanao anao, ba hanôvana agnarana fiderana hônao.15Mijereva ambany hatamin'ny lagnitra egny ary membena hatamin'ny fonegnanao masina sy be voninahitra. Aja ny jotom-ponao sy ny asanao mahery? Ny asa famindrampo sy ny fangorahanao dia nitanana taminay. 16Satria rainay anao, fa Abrahama tsy mahalala anay, ary Israely tsy mahafantatra anay, anao, ry Yaveh, no rainay. 'Mpagnavotra anay' no efa agnaranao hatamin'ny taloha.17Ry Yaveh, nahôna no avelanao hirenireny hiala amin'ny lalagnao ahay ary magnamafy ny fonay, ba tsy hankatoavany Anao? Miviregna nohon'ny amin'ny mpanomponao', ny fokon'ny lovanao.18Fotôgna fohika no nanagnan'ny toerana masina, dia nididiadidian'ny fahavalonay jane. 19Avy hôtran'jay tsy bola nifejinao ahay, hôtran'jay tsy ba nangihana tamin'ny agnaranao."
Chapter 64

1"Eee, laha magnasaraka ny lagnitra Anao ka midigna! Dia hihojongojogna agnatrehanao eo ny tendrombohitra, 2hôtran'ny afo laha mirehitra amin'ny borosy hajo, na ny afo mampandevy rano. Eee, fa ho fantatrin'ny fahavalonao nEgnaranao, fa hangorohoro agnatrehanao eo ny firenena!3Taloha, laha nanao raha mahagaga jay tsy nandiasanay Anao, dia nidigna Anao, ary nangorohoro tamin'ny fagnatrehaao teo ny tendrombohitre. 4Hatamin'ny taloha dia tsisy naharegny na nahafantatra, na nahita maso Andremanitra afa-tsEnao, jay manao raha hôn'jay mandigny Anaje.5Avy mitahy hôn'jay mifamale amin'ny fanôvana ny marina Anao, jay mahatsiaro ny lalanao sy mankantò anigne. Vignitra Anao laha nanota ahay. Avotra tamin'ny lalanao fehijay ahay.6Fa avy hôtran'ny maloto aby ahay, ary ny asam-pahamarinanay abiaby dia hôtran'ny ravin-dambam-padimbolagna. Malajo hôtran'ny ravigna aby ahay; ny helokay dia hôtran'ny rivotra, mitondra anay lavitra. 7Tsisy mangaika amin'ny agnaranao, na miejaka ba hifikitra Aminao. Fa namony ny tarehinao taminay Anao ary mandamaka anay amin'ny tagnan'ny helokay eo.8Nefa, ry Yaveh, Anao no Rainay; ahay no tanimanga. Anao no mpamolavola anay; ary ahay abiaby no asan'ny tagnanao. 9Aja maseka lôtra, ry Yaveh, na koa mahatsiaro ny otanay hanohitra anay. Ba mengavy ee jireo ahay abiaby, olonao.10Avy tagny karakaraina ny tanànanao masina; avy tany maigna be i Ziona, lao i Jerosalema. 11Ny tempolinay masina sy tsara, jay nideran'ny rajagnay Anao, dia ravan'ny afo, ary ny abiaby jay maminay dia hiongagna. 12Ahôna no bola hitsinjovanao fotsine, ry Yaveh? Nahôna Anao no mitagna fahanginana ary bola magnala baraka anay fehijay?"
Chapter 65

1"Efa vonogna ny ho regnin'ijay tsy nagnotany Aho; vognona ny ho hitan'jay tsy nandremby. Hoy Aho hoe: 'Itoy Aho! itoy Aho!' Hômin'ny firenena jay tsy nangaika negnarako. 2Efa namelatra ny tagnako tontolo andro ho tamin'ny vahôka mafy hatoka Aho, jay mandeha amin'ny lalagna jay tsy tsara, jay efa nandeha araka ny saim-patany sy ny fikasane!3Ijy dia vahôka jay tsy miegnina manafantohigna Anahy, manao sorogna amin'ny zaridaigna, ary magnoro ditin-kajo magnitra ambonin'ny tanimanga eo. 4Miambigna amin'ny fasagna eo areo ary eo fehijay mandritra ny aligna, ary mihinana henan-kisoa miaraka amin'ny ron-kena fahavetavetana andovian-dreo eo.5Hoy areo hoe: 'Metaha, aja marivo anahy, fa aho dia lalo masina nohonenao.' Io raha io dia tambavagn'oroko, afo jay magnoro mandritry ny tontolo andro.6Ito, vôsoratra alohako eo hoe: Tsy hangigna Aho, fa hampagnefa an-dreo; hamaly an-dreo am-beragne eo. 7fa ny fahotan-dreo sy ny rajagny dia mitambatra," hoy Yaveh. "Hamaly an-dreo nohon'ny fagnorôna ditin-kajo magnitra tamin'ny tendrombohitra sy nohon'ny fagnesôna Anahy tamin'ny haragna Aho. Noho jany dia handrefy ny asa vitan-dreo ameragny eo Aho."8Jao no lajain'i Yaveh: "Hôtran'ny ranon-bôkajo hita an-sampam-bôloboka ao, ka mijaka ny raika hoe: 'Aja simbaina io, satria misy tsara aminajy ao, 'jany no hatako nohon'ny amin'ny mpanompoko: Tsy handringagna anajy abiaby Aho.9Hitondra taranaka hatamin'ny Jakoba, sy hatamin'ny Joda jay hanagna ny tendrombohitro Aho. Ijay vôfidiko dia hanagna ny tane, ary ny mpanompoko dia honigna ao, 10Sorogna dia ho lasa fembenana ondry sy osy, ary ny lohasahan'i Akora ho toerana fampandrena aombe, hôn"ny oloko jay mandremby Anahy.11Fa anareo jay mandao an'i Yaveh, jay magnadigno ny tendrombohitro masina, jay magnomagna latabatra hôn'ny andremanitra Gada, ary mameno divay vôaro ny finomana hôn'andremanitra Meny.12Handatra anao hôn'ny mesa Aho, ary anareo dia henkohoka amin'ny fahafatesana aby, satria bola nangaika Aho, dia tsy namaly anareo; bola nijaka Aho, di tsy niteno anareo. Fa nanao jay ratsy talohako sy nisafidy ny hanao jay tsy mahafaly Anahy anareo."13Ijao no lajain'ny Tompo Yaveh: "Ito, hihinagna ny mpanompoko, fa anareo koja ho tehinagna; ito, hinogna ny mpanompoko, fa anareo koja hangetaheta; 14ito, hiravoravo ny mpanompoko, fa anareo koja halahelo. Ito hikiekieka fifalena ny mpanompoko nohon'ny hafalem-po, fa anareo koja hitomagny nohon'ny fanaintaignan'ny fo, ary hidradradradra nohon'ny fahatorotorôn'ny fagnahy.15Hamela negnaranareo ho ojogna hôn'ny vôfidiko ba hijaka anareo; Aho, ny Tompo Yaveh, no hamono anareo; Hangihako amin'ny agnarana hafa ny mpanompoko. 16Na ija na ija magnambara fitahena amin'ny tany ao dia ho vôtahiko, ny Andremanitry ny fahamarinana. Na ija na ija miaigna amin'ny tany dia miaigna amin'ny alalako, ny Andremanitry ny fahamarinana, satria hihadignoina ny loja traloha, fa hivony tsy ho hitan'ny masoko ijane.17Fa ito, hamorogna lagnitra vôvao sy tany vôvao Aho; ary ny raha taloha dia tsy tsarôna na hampatsehivina. 18Fa ho faly anareo ary hiravo mandrakijay amin'ijay vô hiforogniko. Ito, hamorogna an'i Jerosalema ho fifalena, ary ny mponigny ho sitraka Aho. 19Hiravoravo manerana an'i Jerosalema, sy ho faly amin'ny vahôka eo Aho; ny tomagny sy ny taraignan'ny fahorena dia tsy ho regny aminajy eo koa.20Tsy hisy jaja madinika hiaigna andro vitsy koa ao; na lehibe maty melohan'ny androne. Jay maty amin'ny faha jato taogna dia heverina ho olo maty tanora. Jay tsy mahatratra ny faharivo taogna dia heverina ho vôojogna. 21Hamorogna tragno areo ka honigna amin'jany ao, ary hamboly vôloboka ka hihinagna ny vône.22Tsy hamorogna tragno koa areo ka ny hafa no hipetraka amin'ijany ao; tsy hamboly koa areo ka ny hafa no hihinagna; fa ny andron'ny hajo maniry no ho andron'ny vahôkako. Ny vôfidiko dia hisitraka feno ny asan'ny tagnane. 23Tsy hiasa maigna areo, na hiteraka ba hampatahotra. Satria areo sy ny taranagny dia janakin'jay vôtahin'i Yaveh.24Melohan'ny hangihanan-dreo, dia hamaly Aho; ary laha bola am-pijakaina areo, dia hiteno Aho. 25Nemboadia sy ny janak'ondry dia hira hihinagna, ary ny liogna hihinagna mololo hôtran'ny aombe; fa vovoka no ho rahanin'ny bibilava. Tsy hamôratra na hamotika amin'ny tendrombohitra egny koa areo" hoy Yaveh.
Chapter 66

1Jao no lajain'i Yaveh hoe: "Ny lagnitra no seja fendrianako, ary ny tany no fitoeran-kongotro, aja ary ny tragno jay haorignao hônAhe ? aja ny toerana jay ahafahako melegnina?2Ny tagnako no nanao ny raha abiaby io; jany no nahatonga anigne raha igne hisy_jany no fagnambaran'i Yaveh. Jao no olo jay ekeko, jay torotoro sy manegnina am-pagnahy, ary jay mangorohoro amin'ny jakako.3Jay mamono aomby dia mamono olo mandy koa; jay manao sorogna ny janak'ondry dia manapaka ny vojogn'amboa; jay manolotra fagnatitra hoanina dia manolotra ràn-kiso; jay manolotra ditin-kajo magnitra ho fahatserovana dia misaotra ny faharatsena. Nisafidy ny lalagny areo, ary nangala fahafinaretana tamin'ny fahavetavetane.4Hôtran'ijany koa no hisifidianako ny famejana an-dreo hiany; handao amin-dreo eo jay hatahorane, satria laha nangaika Aho, dia tsy nisy namale; laha nijaka Aho, dia tsy nisy na raika aja ka hiteno. Nanao jay ratsy tamasoko areo, ary nisafidy ny hanao jay raha nampaseka Anahe."5Mitenoa ny jakan'i Yaveh, anao jay mangorohoro amin'ny jakane hoe: "Ny rahalahin,ao jay mankahala sy magnilika anao nohon'ny agnarako nijaka hoe: 'Ôka hamem-boninahitra i Yaveh, dia hahita ny hafalenao Ijy, 'fa ho megnatra areo.6Ny feon'ny ady mandregnina dia hatamin'ny tanàna, feo hatamin'ny tempoly ao, ny feon'i Yaveh mamaly ny fahavalone.7Tamin'ny bola nihetsi-jaja ijy, dia terake; melohan'ny fanentegnana hôminajy eo, dia niteraka jaja lelahy ijy. 8Ija no naharegny raha hôtran'ijane? Ija no efa nahita raha hôtran'ijane? Sa ve ho teraka agnaty andro raika ny tane? Afaka hiorigna agnatin'ny fotôgna raika ny firenena? Tamin'ny bola tsy nihetsi-jaka i Ziona, diefa niteraka ny janagne.9Sa ve mitondra jaja amin'ny fahavognonan'ny fahaterahana Aho ka tsy mamela ny jaja ho teraka?_Nagnotany Yaveh. Na nitondra jaja amin'ny fotôgnan'ny fiterahana ka hamerigna anijane?_ magnotany Andremanitrao."10Mifalia miaraka amin'i Jerosalema ary mifalia hônajy, anareo abiaby jay tia anajy; mifalia miaraka aminaje, anareo abiaby jay malahelo anaje! 11Fa hiteja anao ary ho afapo; hampionogna amin'ny nonony anao; fa hinogna anijany amin'ny hafenôna sy fahafinaretan'ny voninahiny be anao.12Jao no lajain'i Yaveh: "Handeha hagnely fagnambinana magneragna anajy hôtran'ny renirano Aho, ary ny haren'ny firenena ho hôtran'ny loharano manondraka. Hinono amin'ny ilany anao, hôn-sandrine eo, ary ho ahindrahindra amin'ny lohaligny eo. 13Hôtran'ny ankaherejin'ny reny ny janagne, no hankaherejako anao, ary hankaherejina anao ao Jerosalema."14Hahita anijany anao, dia hifaly ny fonao, ary ny tôlagnao haniry hôtran'ny ahi-metso. Hampahafantarin'i Yaveh ny mpanompony ny tagnane. Fa hampiseho ny havignirany hanohitra ny fahavalony ijy.15Fa ito, avy miaraka amin'ny afo, ary avy hôtran'ny tafio-drivotra ny kalesany ba hitondra ny hafan'ny fahavignirana sy ny fijakany mahare miaraka amin'ny lelan'afo. 16Fa hagnano fitsarana amin'ny olombelogna amin'ny alalan'ny afo sy ny mesaany Ijy. Ho rahabe jay ho matin'i Yaveh.17Magnamasina ny tegnany sy mandio ny tegnany areo, ka afaka miditra an-saha ao, magnaraka ny raika jay agnivony mihinagna nofon-kiso sy ny raha vetaveta hôtran'ny vôlavo eo. "Ho avy amin'ny fefarana areo_ jany no fagnambaran'i Yaveh."18Fa fantaro ny asany sy ny eritrerine. Ho avy ny fotôgna laha hamorovoro ny firenena sy ny fijakana abiaby Aho. Ho avy areo ary hahita ny voninahitro. 19Hamela famantarana mahery amin-dreo eo Aho. Aviteo dia handefa ny sisa tsy maty hatamin-dreo amin'ny firenena agny Aho: Agny Tarsisy, Pola, ary Lydia, mpandefa jana-tsipìka jay magnenjagna ny tsipìkane, Amin'i Tobala, Javana, ary ny amoron-tsiraka alavitra jay tsy naharignesan-dreo Anahy na nahitany ny voninahitro. Hagnambara ny voninahitro magneragna ny firenen-dreo.20Hamerigna ny rahalahinao abiaby hivôka ny firenena abiaby areo, hôtran'ny fagnatitra hôn'i Yaveh. Ho avy amin'ny sôvaly, sy agnatin'ny kalesa, agnatin'ny fijalena, ambonin'ny ampondra, ary ambonin'ny rameva, handeha amin'i Jerosalema tendrombohitro masina_hoy Yaveh. Fa ny vahôkan'i Israely dia hitondra fagnatitra vary agnaty lovia madio ho an-dragnon'i Yaveh ao. 21Na ny sasagny amin-dreo aja dia hifidiko ho mpisorogna sy Levita_hoy Yaveh.22Fa hôtran'ny lagnitra vôvao sy tany vôvao jay hatako dia hipetraka agnatrehako eo_jao fagnambaran'i Yaveh_ ka hipetraka ny taranakao, ary hipetraka negnaranao. 23Fa amin'ny volagna raika ka hatramin'ny magnaraka, ary ny Mesa raika ka hatramin'ny magnaraka, ho avy henkohoka Aminahy ny olo abiaby_hoy Yaveh.24Hivôka areo ary hahita ny fatin'olo jay nikomy hanohitra Anahe, fa ny hankagna jay mihinagna an-dreo dia tsy ho fate, ary ny afo jay handevigna an-dreo dia tsy ho vôvono; ary ho rikoriko hôn'ny nofo abiaby jane."

Jeremiah

Chapter 1

1Ito no jakan'i Jeremia jank'i Hilkia, raika tamin'ny mpisorogna tAnatota tao amin'ny tanin'i Benjamina. 2Avy tamin'ny jakan'i Yaveh tamin'ny andron'i Josia janak'i Amona, mpanjakan'i Joda, tamin'ny fahatelo ambin'ny folo taogna najakane. 3Avy mandy koa jany tamin'ny andron'i Joiakima janak'i Josia, mpanjakan'i Joda, hatamin'ny volagna fahadimy tamin'ny taogna faharaika ambin'ny folo nanjakan'i Zedekia janak'i Josia, mpanjakan'i Joda, laha nalaina ho gadra ny vahôkan'ny Jerosalema.4Avi taminahy ny jakan'i Yaveh, manao hoe: 5"Talohan'ny nanôvako anao tan-kibo, diefa nifidy anao Aho; talohan'ny nivoahanao tan-kibo diefa natokako anao; diefa nanao anao ho mpaminagny amin'ny firenena Aho." 6"Ô, ry Yaveh Tompo!" Hoy aho hoe: "Tsy mahay mivoria aho, fa bola tanora lôtra."7Fa i Yaveh nijaka taminahy hoe: "Aja manao hoe 'tanora lôtra aho.' Fa tsy mentsy mandeha anao na aja na aja hagnirahako anao, ary tsy mentsy milaja jay abiaby handidieko anao anao! 8Aja matahotra an-dreo, fa momba anao ba hamonjy anao Aho--jany no fagnambaran'i Yaveh."9Ka dia nanjijitra ny tagnany i Yaveh, nitsamo ny vavako, ary nilaja taminahy hoe: "Ankehitriny, efa nabelako am-bavanao eo ny jakako. 10Niany aho dia manendry anao amin'ny firenena sy amin'ny fanjaka eo, ba hagnongotra sady handrodagna, ba handringagna sy handrava, ba hamorogna sady hambole.11Avy taminahy ny jakan'i Yaveh, magnano hoe: "Ino no hitanao, ry Jeremia?" Hoy aho hoe: "Mahita rantsan-kajo amygdala aho." 12Hoy Yaveh taminahy: "Efa nahita tsara anao, fa mitandrigna ny jakako Aho ba hagnatanteraka anijane."13Avy taminahy fagnindriane ny jakan'i Yaveh, magnano hoe: "Ino no hitanao?" Ary hoy aho: "Vilagny mahay no hitaka, jay mandevy ny tampone, mitongilagna megnavaratre." 14Hoy i Yaveh taminahy hoe: "Hivoha hata-varatra amin'ijay monigna abiaby amin'io tany io ny loja.15Ambaran'i Yaveh, fa hangaika ny foko abiaby hata-varatran'ny fanjakana Aho. Ho avy areo, ary ny abiaby dia hamela ny seja fiandrignany amin'ny vavahady fidirana ao a Jerosalema, hanohitra ny manda aby magnodidigna anijane, ary hanohitra ny tanàn'i Joda abiaby. 16Aho dia hanognona didim-pitsarana hanohitra an-dreo noho ny faharatsien-dreo abiaby tamin'ny fahafoijana Anahe, amin'ny fagnorôna ditin-kajo magnitra hôn'ny andremani-kafa, ary amin'ny fanompôna jay namborin'ny tagnan-dreo hiany.17Ôka ho vognona ny tegnanao! Mitsangàna ary lajao an-dreo jay rehetra nandidieko anao. Aja torotoro amin-dreo eo, saba hanorotoro anao amin-dreo eo Aho! 18Ito! Niany Aho diefa nanao tanàna vôaro mafe, sy andry vy, ary manda varahigna hanohitra ny tany manontolo hônao___hanohitra ny mpanjakan'i Joda, ny manam-pahefane, ny mpisorogne, ary ny olo ami'ny tane. 19Hiady hanohitra anao areo, fa tsy handresy anao, fa homba anao Aho ba hamonjy anao__jany no fagnambaran'i Yaveh."
Chapter 2

1Avy taminahy ny jakan'i Yaveh, manao hoe: 2"Mandihana ary magnambarà amin'i Jerosalema. Milajà hoe; "Jao no lajain'i Yaveh: Nahatsiaro negnaranao Aho tamin'ny tsy fivadiham-pitokisananao tamin'ny fahatanoranao, ny fitiavanao tamin'ny fotôgna nivadihan-tsena, laha nagnaraka Anahy tagnya gnefitra anao, dia ny tany jay tsy namafajana. 3Israely dia natokagna hôn'i Yaveh, ny vôloham-bokatry ny vokane! jay rehetra mihinagna amin'ny vôloham-bokatra dia nimelohina; avy tamin-dreo ny loja__jany no fagnamaran'i Yaveh."4Tenoy ny jakan'i Yaveh, ry fenakaven'i Jakoba sy ry fenakaven'Isarely abiaby. 5Jao no lajain'i Yaveh: "Ino no olan'gny rajambenareo Aminahy, no niala lavitra tamin'ny fagnarahana Anahy areo? ka lasa nagnaraka sampy tsisy dikany sy lasa tsisy dikany areo? 6Areo dia tsy nijaka hoe: "Aja i Yaveh, jay nitondra anay niakatra hatamin'ny tany tEgypta? Aja i Yaveh, jay nitarika anay tagny agnefitra, tamin'ny tanin'i Abrahama sy ny lavaka tao, tamin'ny tany hay sy hejom-pito tao, tany raika jay tsy misy na ija na ija mandalo ary tsisy mipetraka?'7Fa nitondra anareo tagnya amin'ny tany Karmela Aho, ba hihinagna ny vôny sy ny raha tsara hafa! Fa laha avy anareo, dia nilotoinareo ny taniko, natanareo fahavetavetana ny lovako! 8Ny mpisorogna dia tsy nilaja hoe: 'Aja i Yaveh?' ary ny manam-pahejana manokagna amin'ny lalàna dia tsy miraharaha ny momba Anahe! Ny mpiambigna ondry nanota taminahe. Ny mpaminagny naminagny hôn'i Bala ary nagnaraka ny raha tsy mahatsara.9Ka bola hempanga anareo fehijay Aho__ jany no fagnambaran'i Yaveh--ary hempanga ny janaky ny janakareo Aho. 10Fa mitsaha amin'ny sisin'gni kintagna egny ka jahavo. Mandifasa mpitondra hafatra hôn'ny Kedara ka rombejo ary jahavo laha bola nisy raha hôtran'itoy taloha. 11Nifanakalo andremanitra ve ny firenena, na dia tsy andremanitra aja igne? Kanefa ny oloko dia nanakalo ny voninahi-dreo tamin'ny raha jay tsy afaka magnampy an-dreo.12Mangorohoro ny lagnitra noho jane! Ôka ho tohigna sy hihorohoro--jany no fagnambaran'i Yaveh. 13Fefa nanao ratsy rolahiteo taminahy ny vahôka: Areo dia nahafoy ny loharanon'ny ranovelogna, nangady famoren-drano hôn'ny tegnany areo, ary namaky famoren-drano jay tsy mahatagna rano mihintsy.14Sa andevo ve Israely? Teraka tamin'ny tragnon'ny Tompony ve ijy? ka nahôna ijy no lasa mpandroba? 15Nierogna tamin'ny liogna tanora. Nandregnina mahare areo ka nanao ny taniny ho mahakamo. Rava ny tanànany ka tsy nisy mponigna. 16Ny vahôka tao Mamfisa sy Tanesa hiany koa dia han-dratra ny kara-ndohanao. 17Sa tsy nanao anijany tamin'ny tegnanao ve anao laha nahafoy an'i Yaveh Andremanitrao, laha bola nitarika anao tamin'ny lalagna Ijy?18K ankehitriny, nahôna no mandeha amin'ny lalgna handeha agny Egypta sy minogna ny ranon'i Sihora? Nahôna no mandeha amin'ny lalan'gni Asyria ary minogna ny ranon'i Onin'i Eofrata? 19Mandatsa anao ny haratsenao, manajy anao ny fivadihanao. Ka diniho jany ary takaro fa laha mahafoy an'i Yaveh Andremanitrao anao dia ratsy sy mangidy jane, ary aja matahotra Anahy--jany no fagnambaran'i Yaveh Tompon'ny rehetra.20Fa efa nanapaka ny zoganao jay nanagnanao tamin'ny andro taloha Aho; efa namaha ny gadranao Aho. Fa bola milaja fehijay anao hoe: 'Tsy hanompo aho!' satria menkohoka amin'ny haragna ambo abiaby sy ambany hajo be ravigna abiaby egny anao, ry mpijangajanga. 21Hôtran'ny vôloboka nifidinao no namboleko naao, avy amin'ny voa tsara tokôtre. Tamin'ny fomba ahôna no nagnovanao ny tegnanao ho ratsy, ho vôlobo-dratsy? 22Fa na man-dio ny tegnanao amin'ny ony na manasa ny tegnanao amin'ny savony mahery aja anao, dia loto eo agnatrehako ny helokao--jany no fagnambaran'i Yaveh Tompo.23Aôna no afahanao milaja hoe: 'Tsy maloto aho! Tsy nandeha nagnaraka an'i Bala aho'? Jahavo jay natanao tan-dohasaha tao! Diniho jay vitanao__rameva vavy malaky fandeha mihajakajaka etsy sy erôgna anao, 24ampondradia jatra tany antetefitre, jay mamofogna hifoka rivotre! Ija no afaka hanakagna ny fagnirienao? Amin'ny fotôgna fahaterana dia tsisy lahy mila magnaraka anaje; fa hahita anajy hôn-dreo. 25Tsy mentsy fihejinao ny hongotrao laha tsy manao kapa ary ny tendanao laha mangetaheta! Fa nijaka anao hoe: 'Tsisy fagnantenana jane! Tsiare, tieko ny vahiny ary mandeha magnaraka an-dreo aho!'26Hôtran'ny fahafaham-barakan'ny mpangalatra laha hita ijy, no hahafa-baraka ny ankohonan'Israely__an-dreo, ny mpanjakan-dreo, ny andren-dahine, ny mpisorogne ary ny mpaminagnine! 27Io no mijaka amin'ny hajo hoe: 'Anao no raiko', ary amin'ny vato hoe: 'Anao no niteraka anahe.' Fa ny lamosin-dreo no magnatrika anahy fa tsy ny tavan-dreo. Na dia jany aja, dia mijaka areo amin'ny fotôn'gny olo hoe: 'Mitsangana ary vonjeo ahay!' 28Aja ny andremanitra namboarinareo hôn'ny tegnanareo? Ôka areo hiarigna laha magniry ny hamonjy anareo amin'ny fotôn'gny olagna igne, fa ny isan'ny tanànanareo dia mitvy amin'ny isan'ny sampinareo, ry Joda!29Ka nahôna anareo no mempanga Anahy amin'ny fanôvana ny tsy mete? Efa nanota taminahy aby anareo abiaby___jany no fagnambaran'i Yaveh. 30Java-pôgna ny nanajieko ny vahôkanao. Tsy hagneky ny fepetra areo. Ny mesanareo dia nandrapaka ny mpaminagninareo hôtran'ny liogna mpandrava! 31Anareo jay an'toy taranaka toy! Tandremo tsara ny jakako, dia ny jakan'i Yaveh! Efa tagny agnefitra tamin'Israely ve Aho? Na tanin'ny hejim-pito laligna? Nahôna ny vahôkako no milaja hoe: 'Andao atsena hirenireny, tsy handeha aminao eo koa ahay'?32Hagnadigno ny vakagny ve ny virijiny, ary ny ampekarina ny voaline? Efa andro tsy hita isaina jay no nagnadinôn-dreo Anahe! 33Akory ny hatsaran'ny lalagnao handremby fitia. Efa nampianatra ny lalagnao tamin'ny viavy ratsy fagnahy aja anao. 34Efa hita tamin'ny ankanjonao ny ràn'ny aign'jay tsy manan-tsigny, nen'ny fandravana io olo io.35Fa hoy koja anao hoe: 'Tsy manan-tsigny aho, efa nenga taminahy tokôtra ny havignirane.' Kanefa ito! Aho dia tsara anao nohon'ny fijakako hoe: 'Tsy nanota aho.' 36Nahôna no hamevagninao toy fiovana tamin'ny fombanao toy? Ho diso fanantenana amin'ny Egypta hiany koa anao, hôtran'ny tamin'i Asyria. 37Ho kivy hiany koa anao hiala hatao, miaraka amin'ny tagnanao an-dohanao eo, satria i Yaaveh efa nandà jay natokisanao, ka tsy ho tahin-dreo anao."
Chapter 3

1"Laha misy lelahy raika misaraka amin'ny vadiny ka miala aminajy ijy ary lasa vadin'olon-kafa, dia bola hipody aminajy indraika ve ijy? Tsy haloto be ve jany tany jane? Efa niaigna hôtran'ny mpijangajanga jay managna sakeja maro anao; dia bola hiverigna aminahe?--jany no fagnambaran'i Yaveh. 2Ampekaro amin'ny momba ny masonao agny ary jireo! Misy toerana bola tsy niresanao ara-nofo an-sokosoko ve? Tamoron-dalagna anao no mipetraka nandigny ny sakejanao, hôtran'ny Araba agny agn'efitra Efa nilotoina tamin'ny fijangajanganao sy ny faharatsenao ny tane.3Ka nitohagnana ny loharano ary tsy avy ny fara-oragna. Fa ny tavanao miavognavogna, hôtran'ny terihim-biavy mahakamo. Tsy nikenao ny hahatsapa hegnatre. 4Befa nangika anahy ve anao jao hoe: "Ry raiko! Ny akamako marivo hatamin'ny fatahorako! 5Dia ho vignitra aminahy fehijay ve ijy? Dia ho tanany hatrain'ny farany ve ny havignirane?' Ito! jany no efa nijakainao, nefa atanao ny ratsy abiaby afaka atanao!"6Sady hoy Yaveh tamin'ny andon'i Josia mpanjaka: "Efa hitanao ve jay fivadihana natan'ny Israely? Dia niakatra nagneragnan'ny haragna ambony abiaby ijy tambany ala meji-kitroke, ary tagny no nanôvany hôtran"ny fijangajangana. 7Hoy aho: 'Afaran'ny anôvany anijany raha abiaby jany, dia hiverigna aminahy ijy,' fany tsy niverigna ijy. Aviteo ny anakavin'i Joda mpivadika nahita an'io raha io.8Ka dia hitako fa, tamin'ny fomba mitovy no efa nijangajangan'Israely mpivadika ary efa nandrôka anajy aho ary efa nakeko hanohitra anajy ny avan'ny fisaraham-panambadiena, ny anakavin'ny Joda mpivadika tsy ba natahotra; nivôka mandy koa ijy ary nanao hôtran'ny fijangajangana; 9tsy nisy dikany tamin'ny fijangajangane; nitety tany ijy; ary nanao fagnitsakitsaham-bady tamin'ny vato sy hajo ijy. 10Ary tafaran'ijay abiaby jane, ny anakavin'ny Joda mpivady dia nipody taminaje, tsy tamin'ny fony abiaby, fa tamin'ny vande_jany no fagnambaran'i Yaveh."11Dia nijaka taminahy Yaveh hoe: "Lalo marina nohon'ny Joda mpivady ny Israely mpivady! 12Mandihana ary ambarao avaratra agny io jaka io. Lajao hoe: "Miviregna, ary Israely mpivadika!__jany no fagnambaran'i Yaveh--tsy ho vignitra aminareo fehijay Aho. Hatami'ijany no fagnambaran'i Yaveh--tsy niegnina ho vignitra mandrakijay aho.13a anao hikieka ny helokao, satria efa nanota tamin'i Yaveh Andremanitrao anao; efa nijara ny fombanao tamin'ny vahiny ambany hajo midoroboka abiaby! Satria anao tsy niteno ny feoko!--jany no fagnambaran'i Yaveh. 14Mipodiana, ry vahôka manam-pinôna!-- jao no fagnambaran'i Yaveh--Aho no vadinareo! Halaiko anareo, ny ray hatamin'ny tanàna ary ny rolahiteo avy amin'ny fenakavena, ary handako amin'ny Ziona agny anareo! 15Hameko mpiambigna ondry araka ny foko anareo, ary hiambigna anareo amin'ny fahejana sy halalignan-tsaigna areo.16Ary jao no nitranga, hitombo anao ary hitondra vônkajo amin'ny tany agny amijany andro jane--jany no fagnambaran'i Yaveh--ary dia hijaka fehijay areo hoe: "Ny tômôbilin'ny fagneken'i Yaveh!" Jany raha jany dia ho avy am-pon-dreo ao fehijay na ho tsarôna; tsy ho banga jane, ary ny raika hafa tsy ho vita.'17Amin'io fotôgna io dia hagnambara mahakasika an'ny Jerosalema areo hoe: 'Toy ny seja fendrianan'i Yaveh,' ary ny firenen-kafa abiaby dia hivory agny Jerosalema amin'ny agnaran'i Yaveh. Dia handeha amin'ny hamafisan-dohan'ny faharatsen'ny fony fehijay areo. 18Amin'ijany andro jany ny ankohonan'i Joda dia handeha amin'ny ankohonan'ny Israely ao. Dia hiaraka avy amin'ny tany avaratra agny areo mandeha agny ami'ny tany jay nameko ny rajambenareo ho lova.19Fa aminahy, hoy aho hoe: "Eee ny fagnirieko hagnome voninahitra anao hôtran'ny janako lahy ary hagnome anao tany tsara, lova tsara indrindra noho jay an'ny firenen-hafa! Tsy mentsy hijaka aho hoe: "Hangaika anahy anao hoe: "Raiko". Dia nijaka aho hoe tsy tokony nivadika tamin'ny fagnarahana anahy anareo. 20Nefa hôtran'ny viavy matoky ny vadine, efa namadika Anahy anao, ry ankohonan'Israely--jany no fagnambaran'i Yaveh."21Regny tamin'ny tany lemaka tegny ny feo, ny tomagny sy ny fengaven'ny vahôkan'Israely! Fa nagnova ny fombany areo, efa hadignon-dreo Yaveh Andremani-dreo. 22"Mipodiana, ry vahôka tsy manam-pinôna! Ho hafahiko amin'ny fitaka anareo." Ito! Hoavy aminao agny ahay, fa Anao no Yaveh Andremanitray!23Ho avy amin'ny haragna tokôtra ny vande, ny feo mampisafotofoto hatamin'ny tendrombohitra; Yaveh Andremanitra tokôtra no famonjen'Israely. 24Fefa nanimba ny asan'ny rajambe atsena Ny sampy mahamegnatra---ny ondry sy osy sy biby fompen-dreo, ny janaka lahy sy janaka vavin-dreo! 25Avilao ahay hoandre amin'ny hegnatra eo. Handrakotra anai anie ny hegnatray, fefa nanota tamin'i Yaveh Andremanitray ahay! Ahay tegnanay sy ny rajambenay, tamin'ny fotôgnan'ny fahatahoranay ka hatamin'ijao andro jao, dia bola tsy naharegny ny feon'i Yaveh Andremanitray!"
Chapter 4

1"Laha miverigna anao, ry Israely--jao no fagnambaran'i Yaveh--dia Aminahy no tokony hiveregnanao. Laha halaiko tsy hôlohako eo ny raha mafarikorikonao ary tsy hiala aminahy eo ndraika anao, 2dia ôka anao ho feno fahamarinana, hahitsy, ary ho marigna laha mieniena hoe: 'Laha bola velogna koa Yaveh.' Dia ho sambatra amin'ny firenena ao ary ao aminajy no hagnomejan-dreo voninahitre." 3Fa jao no lajain'i Yaveh amin'ny olo tsirairay ta Joda sy Jerosalema tao: 'Ny taninao hiany no asao, ary aja mamafy amin'ny fantsy egne.4Forao hôn'i Yaveh ny tegnanareo ary alay ny hoditra mandrakotra ny fonareo, ry lelahin'i Joda sy mponin'gni Jerosalema, laha tsy jany dia hivôka hôtran'ny afo ny havignirako, ka hirehitra tsisy hamono anajy, nohon'ny faharatsen'ny asanareo. 5lajao agny Joda ary ôka jao ba ho regnin'ny a Jerosalema ao. Lajao hoe: "Tsofy amin'ny tany eo ny antsiva." Torio hoe: "Mivoria. Andao atsena handeha amin'ny tanàna vôaro agne," 6Asandrato ny saigna famantarana ary atôny manondro an'i Ziona jane, ary mela handremby ferovana! Aja mijanogna, satria hitondra loja hata-varatra Aho ary fandrodagnana lehibe.7Misy liogna hivôka hatan-kirihiny ary efa nianga ny olo jay handringagna ny firenena. Mandao ny toerany ijy ba hitondra horohoro amin'ny taninao eo, hamadika ny tanànanareo ho faharavana, jay tsy hisy honigna. 8Noho jane, rakofy lamba fisôrana ny tegnanao, mitomagnia ary midradradradrà. Fa tsy niala tamin-tsena ny herin'ny havigniran'ny Yaveh.9Ary hitrangajany amin'ijany andro jany--jao no fagnambaran'i Yaveh--dia ho ketraka ny fon'ny mpanjaka sy ny mpifehe. Hihoron-kositra ny mpisorogna, ary, ary hivarahontsagna ny mpaminagne."' 10Ka hoy aho hoe: "Oh! Ry Tompo Yaveh. Namitaka toy vahôka toy sy Jerosalema tokôtra Anao tamin'ny filajana hoe: 'Hisy fedanana hônareo.' Kanefa ny mesa dia mamely ny ain-dreo."11Amin'ijany fotôgna jany dia ho lajaina amin'toy vahôka toy hoe: "Hisy rivotra magnoro hatamin'ny lemakin'ny efitra hanao ny lalagny handeha amin'ny janaka vavin'ny oloko. Tsy hikororoka na handio an-deo jane. 12Hisy rivotra mahery lavitra noho jany h avy amin'ny fibekôko, ary hagnome sajy an-dreo Aho.13Ito, mamely hôtran'ny rahogna ijy, ary hôtran'ny tafio ny kalesane. Malaky nohon'ny sôvale. Loja hôntsena; fa ho rava atsena! 14Diovy hiala amin'ny faharatsena ny fonao ry Jerosalema ba ho avotra anao. Ho mandra-pahovena ny fihevitrao laligna indrindra no ho amin'ny fahotana? 15Fa nisy feo nitondra vôvao hata-Dana, ary ny loja ho avy dia regny an-tendrombohitr'i Efraima agny.16Atôvy sain'ny firenena jao: Ito, ambarao amiin'i Jerosalema fa misy mpanao fahirano ho avy avy an-tany lavitra ba hikieka ady amin'ny tanànan'i Joda. 17Ho hôtran'ny mpiambigna magnodidigna ny saha fambolena areo hanohitra anaje, satria efa nikomy nanohitra Anahy ijy--jany no fagnambaran'i Yaveh-- 18ary ny fitondran-tegnanareo sy ny asanareo dia nahatonga ny raha taminareo io. Jany no ho famejana anareo. Hahakamo tokôtra jane! Handogna ny fonareo mihintsy jane.19Ry foko! Mitaintaigna ny am-poko ao. Mangorohoro agnatiko ato ny foko. Tsy afa-mangigna aho satria regniko ny feon'antsiva, fanerana hômin'ny ady. 20Ny loja omban'ny loja; efa mipetraka amin'ny faharavana ny tany manontolo. Tampoka teo dia rava ny laiko, sy ny lambako tagnatin'ny fotôgna fohike.21Ho mandra-povena no ahitako raha mitovy amin'ijnae? No harignesako ny feon'anjomara? 22Fa ny fahadalan'y oloko--tsy mahalala Anahy areo. Vahôka adaladala areo ary tsy managna fahajavan-saigna. Kinga amin'ny ratsy areo, Fany tsy mahay manao ny tsara.23Hitako ny tany. Ito! tsisy endrigny sady fôgna jane. Fa tsisy fahajavana hôn'ny lagnitra teo. 24Nitsinjo ny tendrombohitra Aho. Ito, nangorohoro areo, ary ny haragna dia nihovitrovitre. 25Nijery aho. Ito, tsisy na ija na ija, ary ny voron'gny lagnitra abiaby dia nilefa aby. 26Nijery aho. Ito, tany antetefitra ny tanim-boly ary ny tanàna dia vôsintogna nidigna tagnatrehan'i Yaveh, tagnatrehan'ny fisafôky ny havignirane."27Jao ny lajain'i Yaveh: "Ho lasa faharavana aby ny tany manontolo, fany tsy hipotehiko tanteraka jane. 28Noho jany antony jany, dia hisôgna ny tane, ary ny lagnitra ambony agny dia hihamejigna. Fefa nambarako ny fikasako; tsy hihemotra Aho; tsy hivadika amin'ny fagnatanterahana an-dreo Aho. 29Hilefa amin'ny fabdrignenan'i mpideba sôvaly sy mpandefa tsipìka miaraka amin'ny jana-tsipika ny tanàna abiaby; hihajakajaka handeha agn'ala areo. Ny tanàna abiay dia hagnanika amin'ny toerana feno vatovato egne; ho fôgna ny tanàna, satria tsy hisy olo honigna amin'igne ao.30Ary amijao laha rava anao, ino no hatanao? Fa na dia mekanjo jaky aja anao, mehengo vakagna volamena, ary lalo magnangeja ny masonao amin'ny loko, ny lelahy jay nitsiriritra anao diefa nandà anao jao. Fa koja, mandremby hifofo ny aignao areo. 31Ka regniko ny feon'ny fangirifiriena, fahorena hôtran'ny ami fahaterahan'ny jaja vôlohan-teraka, dia ny feon'ny janaka vavin'i Ziona. Misefosefo ijy. Mamelatra ny tagnany ijy hoe: 'Loja hôn'ahe! ketrakin'ny mpamono olo io aho."'
Chapter 5

1"Mihajakajaka maneranan'ny lalan'gni Jerosalema; mandrombeja egny an-kianjan'ny tanànane hiany koa. Ary diniho sy eritreritro ny momba ijao: laha mahita olo na ija na ija manao ny marina ary miejaka mandeha am-pahatokisana, dia hamela an'i Jerosalema aho. 2Na dia mijaka aja areo hoe: 'Laha bola velogna Yaveh,' dia manao fiagnan-diso areo." 3Ô Yaveh, sa ny masonao tsy mijery fahamarinana? Mamely ny olo Anao, nefa tsy mahatsiaro fanentegnana areo. Nandresy tanteraka an-dreo Anao, nefa tsy bolz mety mandray fitsipika areo. Manao ny tarehiny ho mahery noho ny vato areo, satria mandà tsy hibebake.4Ka hoy aho hoe: "Ajo antoka fa olo mahantra hiany areo. Adala areo, satria tsy mahalala ny lalan'gni Yaveh, na ny lalàn'gny Andremani-dreo. 5Handeha hômin'ny olo ambony aho ary hagnambara ny hafatr'Andremanitra amin-dreo, fa farafaharatsiny areo mahalala ny lalan'gni Yaveh, ny lalàn'ny Andremanine." Kanefa niara-nandrava ny zogany ijy abiaby; manapaka ny rojo vy jay namehy an-dreo tamin'Andremanitra ijy abiaby. 6Noho jany dia hisy liogna avy agnaty kirihitrala ao hanafika an-dreo. Hisy amboadia avy ta-Arabaha handrava an-dreo. Hisy leoparda mivony ho avy hanohitra ny tanànan-dreo. Jay mandeha ivelan'ny tanàna agny dia ho ravaina. Fa mitombo ny fandikan-dalàn-dreo. Tsisy fetra ny asa fivadihan-dreo.7Nahôna aho no tokony hagnavela io olo io? Nandao anahy ny janakao ary nanao fiagnana tamin'ijay tsy andremanitre. Namahagna feno an-dreo Aho, fa nijangajanga areo ary nandeha maro agn'isa tagny amin'ny tragnon'ny mpivarotegna. 8Sôvaly agnaty fahateran-dreo ao. Nivejivejy te hiraika areo. Ny lahy tsirairay dia samy nikieka tamin'ny vadin'ny mpiara-monigna anajy aby. 9Ka tsy tokony hagnasajy an-dreo ve Aho__jany no fagnambaran'i Yaveh__ary tsy tokony hanao valifaty amin'ny firenena hôtran'jany ve Aho?10Mekara antanim-bôlobogny egne mimanda ary poteho. Fa aja mamotika tanteraka an-dreo. Alay ny vôlobo-dreo satria hatamin'ny Yaveh io vôloboka io. 11Fa namitaka Anahy tanteraka ny taranak'Israely sy Joda--jany no fagnambaran'i Yaveh. 12Nivoria diso momban'i Yaveh areo ary hoy areo hoe: "Tsy hanao na ino na ino Ijy; tsy hisy ratsy ho avy amitsena, ary tsy hahita mesa na mosary atsena. 13Ho lasa rivotra ny mpaminagny, tsy ao amin-dreo ny jaka, ka ôka ho atao amin-dreo jay lajain-dreo."14Noho jany Yaveh, ny Andremanitry ny rehetra dia milaja anijao: "Satria nilaja jany anao, dia indro, hapetrako am-bavarano ao ny jakako. Ho hôtran'ny afo jane, ary toy vahôka toy ho hôtran'ny hajo! Satria handevogna an-dreo jane. 15Ito! hitondra firenena hata-lavitra hanohitra anareo Aho, ry taranak'Israely--jany no fagnambaran'i Yaveh--firenena maharitra jane, firenena taloha! Ijany die firenena jay tsy fantatrareo ny fijakane, na ho ajonareo jay lajaine.16Ny tragnon-jana-tsipìka dia hôtran'ny fasagna mivoha. Miaramila aby ijy abiaby. 17Noho jany dia ho levogna ny vokatrareo, ny janakareo lahy sy vavy hiany koa, ary ny rahaninareo. Hihinagna ny ondry sy osy sy biby fompenareo areo; hihinagna ny vokatra hatamin'ny vôloboka sy hajon'aviavinareo areo. Handrava amin'ny mesa ny tanàna mimandanareo jay atokisanareo areo.18Fa na dia tamin'io andro io aja ---jao no fagnambaran'i Yaveh--dia tsy manan-kevitry ny hamotika tanteraka anareo Aho. 19Laha mijaka anareo, ry Israely sy Joda hoe: 'Nahôna Yaveh Andremanitsena no nanao an'io raha abiaby io tamitsena?' ary laha aviteo anao, ry Jeremia, hijaka amin-dreo hoe: 'Hôtran'ny nahafoijanareo an'i Yaveh sy nanompônareo andremanitra vahiny taminareo teo, dia tsy mentsy hanompo vahiny amin'ny tany eo jay tsy anareo mandy koa anareo.'20Tatero amin'ny taranak'i Jakoba agny toy ary ôka jany ho regnin'i Joda. Lajao hoe: 21'Tenoy itoy, anareo a vahôka adala jay tsy managna fahajavan-saigna; jay managna maso fa tsy afa-mahita, ary managna sofigna anareo fa tsy afaka maharegne. 22Tsy matahotra Anahy ve anareo--jany no fagnambaran'i Yaveh__na mangorohoro hita amin'ny tarehiko? Namela tora-pasika nanohitra ny ranomasina Aho, lalàna efa mihatra jay tsy afaka dikaina jane--na dia manonjanonja aja ny ranomasigna, dia tsy bola mahadika anajy jane. Na dia manonja mierogna aja jane, dia tsy hihôtra an'ijane.23Fa managna fo mafy toy vahôka toy. Mivily amin'ny fikomena jany ary dia nandao. 24Satria areo dia tsy nijaka tampon-dreo tao hoe: "Ôka atsena hatahotra an'i Yaveh Andremani-tsena, Ny mitondra ny oragna__ny loha-oragna sy fara-oragna--amin'ny fotôgnan'ijane, mitagna ny herignandro vôtondron'ny vokatra hôntsena." 25Nitagna an'io raha io tsy hitranga ny helokareo. Nanakagna ny tsara ho avy aminareo ny fahotanareo.26Satria hitako tamin'ny oloko teo ny ratsy fagnahy. Mijery hôtran'ny olo mifitaka hanambotra vorogna areo; namela-pandrika areo ary nanambotra olo. 27Hôtran'ny akany feno vorogna, dia feno fitaka ny tragnon-dreo. Ka miha 28mitombo areo ary lasa manan-karena. Niha natavy areo; namirapiratra amin'ny fahamandignana. Nitsaka ny faharatsena abiaby areo. Tsy mitaraigna amin'ny raharahan'ny olo areo, na ny raharahan'ny kamboty. Ambignina areo na dia tsy nagnome rariny ny olo mila fagnampiena aja. 29Tsy tokony hagnasajy an-dreo nohon'io raha io ve Aho_jany no fagnambaran'i Yaveh ary tsy hamaly faty ny firenena hôtran'itoy ve Ao?30Habibiena sy horohoro no nitranga tamin'ny tany tagne. 31Maminagny amim-pitaka ny mpaminagny, ary manapaka amin'ny fahefany manokagna ny mpisorogna. Tian'ny oloko jane, fa ino no hitranga amin'ny farane?"'
Chapter 6

1Mahità filaminana, ry vahôkan'i Benjamina amin'ny fandôjana an'i Jerosalema. Tsofy a Tekoa ny antsiva. Mampekàra famùantarana manerana an'i Beti-hakerema, satri misy faharatsena miseho hata-varatra; misy fanorotôrôna lehibe ho avy. 2Ny janaka vavin'i Ziona, ny viaby tsara sy malefaka, dia ho potika. 3Ny mpiambigna ondry sy ny osin-dreo dia handeha hômin-dreo; hametraka lay ny magnodidigna anajy abiaby areo; ny lelahy tsirairay aby dia hiambigna amin'ny tagnany manokagna.4Manolora tegna amin'ny andremanitra hômin'ny ady. Mitsangàna; handeha atsena hanafika amin'ny mitatao vovognana. Ratsy lôtra laha hôtra ka tolaka ny andro, laha hôtra ka milatsaka ny aloky ny hariva. 5Fa ôka atsena hanafika amin'ny aligna ary handrava ny ferovany mafe."6Fa Yaveh tompon'ny maro dia milaja anijao: Tapaho ny hajone, ary magnarena tany hagnoregnana an'i Jerosalema. Io no tanàna tsara tafihina, satria feno fampahorena ao. 7Hôtran'ny loharano mampiboiboika rano, dia manohy mamokatra faharatsena io tanàna io. Herisetra sy ratra mandrakariva aminajy ao; aretigna sy ratra mandrakariva no agnatrehan'ny tavako eo. 8Ekeo ny fitsipika, ry Jerosalema, laha tsy janydia hividika aminareo Aho ary handava anareo, ho tany tsisy mponigna."'9Yaveh tompon'ny rehetra dia milaja anijao: "Ajo antoka fa hitsimpogna hônijay mivela Israely ao hôtran'ny tanim-bôloboka areo. Halavay indraika ny tagnanao ba hambely vôloboka amin'ny hajom-bôloboka egny. 10Amin'ija no tokony hagnambarako sy hampitandremako vô hiteno areo? Ito, tsy vôfora ny sofin-dreo; tsy afaka hifantoka areo! Ito! Efa avy amin-dreo ny jakan'i Yaveh ba hagnitsiena an-dreo, fany tsy ilain-dreo jane."11Fa aho dia feno ny havigniran'i Yaveh. Vijaka ny mitagna anijany aho. Hoy ijy taaminahy hoe: "Arotsahy amin'ny jaja an-dalagna egny sy ny atoko-tanora jane. Fa ny lelahy abiaby dia halaina amin'ny vadine; ary ny jokiolo abiaby efa nahajo taogna. 12Ny tragnon-dreo dia hitolorana an'ny hafa, miaraka amin'ny tany sy ny vadin-dreo. Fa hitafeko amin'ny tagnako ny mponigna amin'ny tany ao__jany no fagnambaran'i Yaveh.13Nagnambara Yaveh fa manomboka amin'ny indrindra ka hatmin'ny lehibe indrindra, ijy abiaby dia fatra-pila harena amin'ny tsy rarine. Manomboka amin'ny mpaminagny hatamin'ny mpisorogna, ijy abiaby io dia samy mpamitaka. 14Nagnafaka ny ratran'ny vahôkako rahabe fotsiny areo, nijaka hoe: "Fedanana! Fedanana!' tamin'ny tsisy fedanana tao. 15Afa-baraka ve ijy areo laha nanao fametavetana? Tsy afa-baraka areo; tsy mahay mivara-mena areo! Ka ho lavo miaraka amin'ny lavovo areo; handao midigna areo laha nisajina, hoy Yaveh.16Jao no lahjain'i Yaveh: "Mijoroa amin'ny sampagnan-dalagna eo ary jereo; agnotanio ny lalagna taloha. 'Aja jany alagna tsara jane?' Avy eo dia mandihana amin'ijany ary mandrombeja toerana felan-sasatra hônareo. Fa hoy ny vahôkako hoe: 'Tqy handeha ahay.' 17Nanendry mpiambigna hônareo Aho ba hiteno ny antsiva. Fa hoy ijy hoe: 'Tsy hiteno ahay.' 18Noho jany, ry firenena, tenoy! Ito, hijoro vavolombelogna ami'jay itranga amin-dreo anareo. 19Tenoy, ry tane! Ito, hitondra loja amitoy vahôka toy eo Aho--ny vokatry ny eritreri-dreo. Tsy niraharaha ny jakako na ny didiko areo, fa koja nandà anijane."20Midika ino hôn'Ahy ny fekaran'ny ditin-kajo magnitra hata-Seba agne? Na ny fofogna malefaka hatamin'ny tany lavitra? Tsy ajoko ekena ny fagnatitra rônareo, na ny solonareo. 21Ka nilaja anijao Yaveh hoe: 'Ito, hametraka sakagna amin'toy vahôka toy Aho. Ho tafantohigna amin'jany eo areo--miaraka ao ny ratsy sy ny janaka lahy. Ho ringagna hiany koa ny mponigna sy ny mpiara-belogna.' 22Jao no lajain'i Yaveh hoe: 'Ito, hisy vahôka ho avy hatagny amin'ny tany avaratra. Fa misy firenenna lehibe efa nampirisihina ho avy hatagny amin'ny tany lavitra.23Hitondra tsipika sy lefogna areo. Feno habibiena areo ary tsy managna famindram-po. Hôtran'ny fieron'gny rano masina ny feon-dreo, ary mideba sôvaly mitan-dahatra hôtran'ny lelahy mpiady areo, ry janaka vavin'i Ziona."" 24Efa naharegny ny vôvao momba an-dreoo ahay. Ny tagnanay dia lasa malemin'ny fahorena. Vôsambotry ny fanaintagnana hôtran'ny viavy betroka ahay.25Aja mivôka amin'ny saha egny, ary aja mandeha egny amin'ny lalagna, satria ny mesan'ny fahavalo sy ny horohoro dia egny rehetra egne. 26Ô janaka vavin'ny oloko, misikina lamba fisôgnana ary mihosegna amin'ny vovoky ny fandivegnana hôn'ny jaja tokagna eo. Atôvy mangidy hôn'ny tegnanareo ny fandivegnana, satria ho avy tampoka amitsena eo ny mpandrava.27"Ry Jeremia, efa nanao anao ho mpijaha ny vahôkako hôtran'ny mpitsapa vy Aho, noho jany dia hagnadihady ary hijaha ny fomban-dreo anao. 28Ijy abiaby io no tena mahery loha indindra amin'ny vahôka, jay miroso amin'ny fagnendrikendrehana an'ny hafa. Ijy abiaby io dia varahigna sy vy, mpandrabirabe. 29Ny fitsofana dia amin'ny afo jay magnoro an-dreo; ny firaka dia levogna agnaty afo jay magnoro an-dreo; ny firak dia levogna agnaty afo. Nitohy ny fanefena tamin-dreo teo, fa tsisy dikany jane, satria tsy bola niala ny ratsy. 30Hangihana hoe volafotsy tsy lany io, satria efa nilavin'i Yaveh."
Chapter 7

1Jao ny jakan'ijay avy amin'i Jeremia hatamin'i Yaveh: 2"Mijoroa ambavahadin'ny tragnon'i Yaveh eo: "Tenoy ny jakan'i Yaveh, anao ry Joda abiaby, anareo jay miditra amin'ny vavahady ny ba hanompo an'i Yaveh ao.3Yavhe tompon'ny rehetra, Andremanitr'Israely, dia nilaja hoe: amboary ny lalagnareo ary manôva ny tsara, dia hanohy ny hiaigna amin'ny toerana ao toy Aho. 4Aja mitoky amin'ny jaka mamitaka manao hoe: "Tempolin'i Yaveh! Tempolin'i Yaveh! Tempolin'i Yaveh5Fa laha magnambôtra ny lalagnareo tokôtra anareo sady manao ny tsara; laha tena magnatanteraka feno ny rariny amin'ny olo sy ny mpiara-belogna aminajy eo tokôtra anareo__ 6laha tsy magnararaotra ny miegnina amin'ny tay eo, ny kamboty, na ny mpitondrategna anareo ary aja mandatsa-dràn'olo tsy manan-tsigny amijany toerana jane eo, ary aja magnaraka ny andremani-kafa hampahory ny tegnanareo hiany__ 7dia hamela anareo hipetraka eo amitoy toerana toy Aho, amin'ny tany jay nameko an'ny rajagnareo tamin'ny ando taloha sady ho mandrakijay.8Ito, Anareo dia matoky ny jaka fitaka jay tsy mitahy anareo. 9Sa ve anareo mangalatra, mamono, sy mijangajanga? Meniena amin'ny fitaka ve anareo ary manolotra ditin-kajo magnitra hôn'i Bala ary magnaraka ny andremani-kafa jay tsy bola fantatareo? 10Dia avy hijoro alohanareo amitoy tragno toy jay nangihana amin'ny agnarako ve anareo ary hijaka hoe: "Avotra ahay," ba ahafahanareo manao ny fahavetavetana abiaby io? 11Sa ve toy tragno toy, jay mitondra negnarako, zohin-dahalo amasonareo eo? Kanefa ito, efa hitako jane___hjany no fagnambaran'i Yaveh.'12Ka mandihana amin'ny fitoeraka jay agny Silo agne, jay namelako ny agnarako hipetaka tagny am-pendohana, ary jerevo ny anôvako anajy nohon'ny faharatsen'ny vahôkan'Israely. 13Ka amijao, nohon'ny fanôvanareo jay fatanareo abiaby igne__jao no fagbnambaran'i Yaveh__nilaja taminareo fahijay Aho, nefa tsy niteno anareo. Nangaika anareo Aho, nefa tsy namaly anareo. 14Noho jane, jay natako tamin'i Silo, dia hatako amin'toy tragno jay nangihako amin'negnarako toy, ny tragno jay nitokinareo, toy toerana jay nameko anaareo sy ny rajagnareo toy. 15Fa handrôka anareo tsy ho eto alohako Aho hôtran'ny efa nandroahako ny rahalahinareo abiaby, ny taranak'i Efraima abiaby.'16ha ny aminao, ry Jeremia, aja mivavaka hôn'itoy vahôka toy, ary aja mandratra ny fidradradradrana fitomagnena na manognona vavaka amin'ny agnaran-dreo, aja mangataka aminahy, fa tsy hiteno anao Aho. 17Sa ve tsy hitanao ny tan-dreo ao amin'ny tanànan'i Joda sy amin'ny lalan'i Jerosalema ao? 18Mamoria hajo ny jaja ary ny raika mandrhitra afo! Ny viavy manioto koba hanôvana mofo mamy hôn'ny mpanjaka vavin'ny lagnitra sy mandraraka fagnatitra nomina hôn'ny andremani-kafa ba hangihan-dreo Anahy.19Tena mangaika anahy tokôtra ve areo?__jao no fagnambaran'i Yaveh--sa ve tsy ny tegnan-dreo hiany no hangihan-dreo, ka ao amin-dreo hiany jany hegnatra jane? 20Noho jany dia jao no lajain'i Tompo Yaveh: 'Ito, ny havignirako dia ho avy amin'ny toerana toy, amin'ny olo sy ny bibidia, amin'ny hajo amin'ny saha sy ny voa egny amin'ny tany eo. Hirehitra jany ary tsy ho faty mihintsy.'21Jao no lajain'i Yaveh tompon'ny rehetra, Andremanitr'Israely: 'Atovagno amin'ny sorognreo sy ny hena hatamin'ny fagnatitra rôna. 22Fa laha nitondra ny rajagnareo hiala tamin'ny tany Egypta Aho, dia tsy nitaky na ino na ino tamin-dreo. Tsy nagnome didy an-dreo momba ny raharahan'ny fagnatitra rôna sy ny sorogna Aho. 23Jao didy jao hiany no nomeko an-dreo: "Tenoy ny feoko, dia ho Andremanitrareo Aho ary anareo ho oloko. Ka mandihana amin'ny lalagna abiaby jay nandidieko anareo, ba hahitanareo tsara."24Kanefa tsy niteno areo ary tsy nitandrigna. Niaigna tamin'ny fikasan-dratsin'ny fon-dreo hiany areo, ka nihemotra, fa tsy nandroso. 25Hatamin'ny andro nivoahan'ny rajagnareo hatao amin'ny tany Egypta ka hatamin'ijao andro jao, diefa nandefa ny tsirairay tamin'ny mpanompoko, ny mpaminagniko, taminareo tagny Aho. Nikiry tamin'ny fandisana an-dreo Aho. 26Nefa tsy niteno Anahy areo. Tsy niraharaha areo. Fa koja, nagnamafy hatoka areo. Ratsy fagnahy mihôtra noho ny rajambeny areo.'27K ambarao amin-dreo ny jaka abiaby igne, fa tsy hiteno anao areo. Ambarao amin-dreo jany raha abiaby jane, fa tsy hamaly anao areo. 28Lajay an-dreo fa toy no firenena tsy miteno ny feon'i Yaveh Andremaniy ary tsy mandray fagnanarana. Rava ny fahamarinana ary niala tamin'ny vavn-dreo.29Tapaho ny voron-dohanao dia arato ny tegnanao, aary ario ny voron-dohanao. Mihirà hira fisôgnana ankalamanjagna egny. Fa Yaveh dia efa nandà sy nahafoy an'itoy taranaka toy amin'ny havignirane. 30Fa nagnano ratsy tamason'ny janak'i Joda__jany no fagnambaran'i Yaveh__nandefa ny raha mamparikorikon-dreo tamin'ny tragno jay angihina amin'ny agnarako areo, ba handoto anijane.31Avy eo dia namorogna ny toerana amboni'ny Tofeta jay amin'ny lohasahan'i agny Be-Hinema areo. Nanao jany areo hagnorôna ny janaka lahy sy janaka vavin-dreo amin'ny afo__raha jay tsy nandidieko, na niditra tamin'ny saiko aja. 32Ka ito, hoavy ny andro--jany no fagnambaran'i Yaveh__laha tsy hangihana ho Tofeta na lohasahan'i Ben-Hinema koa jane. Ho loharahan'ny famonôna jane; handevigna ny faty a Tofeta areo mandra-paha tsisy terana koa.33Ny fatin'toy vahôka toy dia ho rahanin'ny voron'gny lagnitra sy hôn'ny bibin'ny tane, ary tsisy na ija na ija hampatahotra an-dreo kao. 34Ho faragnako ny tanàn'i Joda sy ny lalan'gni Jerosalema, ny feon'ny fifalena sy ny feo ny firavoravôna, ny feon'ny mpampiakatra sy ny feon'ny mpekarina fa ho lao ny tane."
Chapter 8

1"Amin'jany fotôgna jany__jao no fagnambaran'Yaveh__handan-dreo hivôka ny fasagna ny tôlan'gny mpanjakan'i Joda sy ny manam-pahefane, ny tôlan'gny mpisorogna sy ny mpaminagny, ary ny tôlan'gny mponin'gni Jerosalema. 2Ary haparita-dreo amin'ny fahajavan'ny masoandro sy ny volagna eo ary ny kintagna abiaby amin'ny lagnitra egny igne; ny raha egny amin'ny lagnitra jay narahin-dreo sy tompoine, jay nitompoiny sy nifotopotorin-dreo, ary nenkohofan-dreo. Tsy havory ny tôlagna ary tsy halevigna koa. Ho hôtran'ny jejika amin'ny velaran-tany egny areo. 3egne amin'ny toerana abiaby sisa mivela jay nitondrako an-dreo, dia hifidy ny fahafatesan-dreo fa tsy ny miaigna, ny abiaby bola velogna amitoy firenena toy__jany no fagnambaran'Yaveh tompon'ny rehetra.4Ka jalao areo hoe: 'Jao no lajain'i Yaveh: Nisy lavo ve ka tsy niarigna? Nisy olo very ve ka tsy nagnandragna ny hiverigna? 5Fa nahôna toy vahôka toy, ry Jerosalema, no nivily maharitra tamin'ny tsy fanagnam-pinôna? Mifikira amin'ny fitaka areo ary mandà ny hibebake.6Nitandrigna tsara Aho ary niteno, fa tsy nijaka marina areo; tsisy niala tsigny tamin'ny haratsena, tsisy na raika aja milaja hoe: "Ino no natako?" Nandeha tagny amin'jay nirieny aby Ijy abiaby, hôtran'ny sôvaly lahy mihajakajaka amin'ny ady. 7Na ny vagny amin'ny lagnitra egny aja mahalala ny fotôgna mete; sy ny domoigna, tsiditsidigna, ary ny vagnibe. Mandeha amin'ny fifindra-monigna areo amin'ny fotôgna mete, fa ny oloko dia tsy mahalala ny didin'i Yaveh.8Aôna no hilajanareo hoe: "Hendry atsena, fa ny lalàn'Yaveh dia momba atsena"? Eka tokôtra, ito! Ny penigna mpamitakin'ny mpanora-dalàna diefa namorogna fitaka. 9Ny lelahy hendry dia ho afa-baraka. Raiki-tahotra areo ary vôfandrike. Ito, nandà ny jakan'i Yaveh areo, ka atao ino ny fahendren-dreo? 10Ka hagnome ny vadin-dreo hôn'ny hafa Aho, ary ny tanimbolin-dreo hôn'ijay managna ny ho fanagnana, satria manomboka amin'ny kely indrindra ka hamin'ny kely indrindra, ijy abiaby dia tia vola ajo amin'ny tsy rarine. Hatamin'ny mpisorogna, ijy abiaby dia manao fitake.11Nampahafaka ny ratran'ny vahôkako mora fotsiny areo, nijaka hoe: "Fedanana, fedanana," Tamin'ny tsisy fedanana tao. Megnatra ve areo laha nanao ny fahavetavetana? 12Tsy megnatra areo; tsy fatan-dreo jay hoe mivoara-mena! Ka ho lavo amin'ny lavo eo areo; handao midigna areo laha vôsajy, hoy Yaveh. 13Hangala an-dreo tanteraka Aho__jany no fagnambaran'i Yaveh__tsy hisy vôloboka amin'ny hajom-bôloboka, na amin'ny hajon'aviavy aja dia tsy hisy aviavy. Ary halajo ny ravigna, ary jay nameko an-dreo dia levogna.14Nahôna atsena no mipetraka eto? Andao hiaraka; handeha atsena hômin'ny tanàna vôaro mafe, ary hanjary hangigna amin'ny fahafatesana agny atsena. Fa hampangigna atsena i Yaveh Andremanitsena. Hampinogna rano misy poijina atsena Ijy, satria efa nanota Taminajy atsena. 15Magnantegna fedanana atsena, nefa tsy hisy raha tsara. Magnantegna fotôm-pagnasitrahana atsena, nefa ito, hisy horohoro.16Regny hata-Dama ny feon'ny fiefon'gny Sôvaly lahine. Mihojongojogna ny tany manontolo noho ny feon'ny fieron'gny sôvaly matanjaka. Fa ho avy areo ary hamotika ny tany sy ny harene, ny tanàna sy jay mipetraka ao. 17Fa ito, handefa bibilava aminareo Aho, dia vipera jay tsy ho ajonareo tambatambajina. Hagnekitra anareo igne___jany no fagnambaran'i Yaveh.'"18Tsy manam-pahataperana ny alaheloko, ary marary ny foko. 19Ito, Ny feo mihiekan'ny janakavavin'ny vahôkako hatan-tany lavitra! Tsy a Ziona ve Yaveh? Na tsy ao ve ny mpanjaka? Nahôna jany areo no manafantohigna anahy amin'ny endrik'asa vôsokigne sy ny sampy vahiny tsisy dikane?20Efa nandalo ny fotôm-pijinjana, tapitra ny fahavaratra. Nefa tsy vôvonjy atsena. 21Vôratra aho nohon'ny ratran'ny janaka vavin'ny vahôkako. Malahelo ny amin'ny raha mahakamo jay nahajo anajy aho; reki-tahotra aho. 22Tsisy fagnafody ve a Gileada ao? Tsisy mpagnafaka ve ao? Nahôna no tsy hitranga ny fagnasitrahana ny vahôkako?
Chapter 9

1Laha ba afaka mamokatra rano mako ny lohako, ary ny masoko ho loharanon-dranomaso! Fa magniry ny hitomagny andro aman'aligna aho hôn'ny janaka vavin'ny oloko jay nivonina. 2La ba misy olo afaka magnome ny toerana hôn'ny mpivahiny hôn'ahy hipitrahana an'gnefitra agny mako, jay ahafahako mandao ny oloko. Laha ba afaka mandao anajy mako aho, satria ijy abiaby dia mpijangajanga sy andiena mpamadike! 3Yaveh di nagnambara hoe: "Magnenjagna ny tsipìkam-bandiny amin'ny lelan-dreo, nefa tsy nohon'ny fahatoken-dreo no mampatanjaka anajy amin'ny tane. Niala tamin'ny asa ratsy raika areo dia miditra amin'ny raika hafa. Tsy mahafantatra Anahy areo."4Anareo tsirairay aby, mitandrema amin'ny akamanareo ary aja matoky ny rahalahy. Fa ny rahalahy abiaby dia mpamitaka tokôre, ary ny akama abiaby dia mandeha amin'ny fagnendrikendrehana. 5Ny olo tsirairay dia magniratsira ny akamany ary tsy milaja ny marina. Ny lelan-dreo dia mampianatra raha fitake. Vijaka amin'ny fanôvan-dratsy areo. 6Ny fonegnanareo dia eo agnivon'ny fitake; tagnatin'ny famitahan-dreo dia mandà ny hagneky Anahy areo__jany no fagnambaran'Yaveh7Yaveh Tompon'ny rehetra milaja hoe: "Ito, Aho efa hijaha toetra sy hitsapa areo, fa ino hiany koa no afako atako, nohon'ny amin'ijay natan'ny oloko? 8Ny lelan-dreo dia jana-tsipika maragnitra; mivoria raha tsy mampatoky areo. Amin'ny vavany no hagnambaray fedanana amin'ny akamane, fa amin'ny fony no hanôvany otrika hôn-dreo. 9Tsy tokony hanajy an-dreo ve Aho noho ny amin'ny raha igne__fagnambaran'i Yaveh jany__ary hôtran'ny hamaly faty amin'ny firenena hôtran'ijao ve ny tegnao?10Hihira hira fisôrana sy fidradradradrana hôn'ny tendrombohitra Aho, ary ny hiram-pandivegnana dia hiraina amin'ny tanin'ahitra eo. Fa nirôna areo ka tsisy afaka mandalo amin'ijane. Tsy haharegny feon'ny biby fompena koa areo. Ny voron'gny lagnitra sy ny biby dia nilefa aby. 11Ka dia hatako ho antota-paharavana i Jerosalema, sy fieren'ny ambodia. Ny tanàn'i Jado dia hatako toerana rava tsisy mponigna.a" 12Ija no olon-kendry mahatakatra an'ijany? Hôn'ija no nivorian'ny vavan'i Yaveh, ka hagnambara anijany ijy? Fa ino no nampivetraka ny tany sy nandravana anajy hôtran'ny efitra jay tsy ahafahan'ija n'ija mandalo?13Hoy Yaveh hoe: "Satria areo nahafoy ny lalàko jay napetrako talohany teo, satria tsy niteno ny feoko na nandeha tamin'ijany areo. 14Satria areo dia nandeha tamin'ny ditran'ny fony sy nagnaraka an'ny Bala hôtran'ijay nampenarin'ny rajambeny an-dreo hatao.15Noho jany Yaveh Tompon'ny rehetra, ny Andremanitrin'ny Israely, milaja hoe: 'Ito, hampihinaniko hajo mangidy sy hampinomiko rano misy poijina toy vahôka toy. 16Ary haeliko magneragna ny firenena jay tsy bola fantan-dreo, na areo na ny rajamben-dreo. Handefa mesa hamely an-dreo Aho. mandra-paharava an-dreo tanteraka."17Yaveh Tompon'ny rehetra nilaja hoe: "Hevero jao: Mangaika mpihiram-pandevegnana; ôka areo ho avy. Mampangiha viavy manam-pahejana amin'ny fitomagnena; ôka areo ho avy. 18Ôka areo ho avy malaky ka hihira hira fisôgnana amitsena eto, ka ho feno ranomaso anie ny mason-tsena ary ho tobakin'ny rano ny hodi-masontsena.19Fa ny feon'ny fidradradradrana dia regny agny Ziona, 'Eeee ny faharavantsena. Megnatra tanteraka atsena, satria nandao ny tany atsena hatamin'ny nandravany ny tragnontsena.' 20Ka anareo ry viavy, tenoy ny jakan'i Yvaeh; tandremo ny hafany jay avy amin'ny vavane. Ka ampenaro hira fisôragna fandivegnana ny viavy akamanareo tsirairay aby.21Fa ny fahafatesana dia avy amin'ny varangarankelitsena eo; niditra amin'ny lapantsena ao jane. Mandringagna ny jaja avy agny ivelay jane, sy ny tovolahy an-kianjan'ny tanàna egne. 22Ambarao jao, "Ijany no fagnambaran'i Yaveh__ny fatin'ny lelahy dia hiraraka hôtran'ny jejika an-saha egny, ary ho hôtran'ny amboaram-bary afaran'ny mpijinja ao, ary tsy hisy olo hamory an'ijane."'23Jao no jain'Yveh: "Ôka ny hendry tsy hirehareha amin'ny fahendrene, na ny lelahy mpiady amin'ny herine. Ôka ny mpanankarena tsy hirehareha amin'ny harenane. 24Fa laha misy olo mirehareha amin-ndraha, dia avilao amin'jao jane, fa mahafantatra Anahy sy ny agnatiko ijy. Fa Aho no Yaveh, jay miasa amin'ny fagnekena tsy mivadike, ny rariny sy ny hitsiny an-tany eo. Fa amin'jany no ajahôko fafinaretana--jany no fagnambaran'i Yaveh."25"Ito, avy ny andro--jany fagnambaran'i Yaveh--laha hanajy ny abiaby vôfora amin'ny nofony hiany Aho. 26Hagnafay an'i Egypta sy Joda, Edoma, ny vahôkan'ny Amona, Moaba, ary ny olo abiaby jay manapaka ny voron-dohany ho tena fohika Aho. Fa ny firenena abiaby io dia tsy vôfora, ary ny ankohonan'Israely abiaby dia managna fo tsy vôfora."
Chapter 10

1"Tenoy ny jaka jay ambaran'i Yaveh anareo, ry ankohonan'Israely. 2Jao no lajain'i Yaveh: "Ajo mianatra ny lalan'ny firenene io, ary aja reki-tahotra ny amin'ny famantarana amin'ny lagnitra egny, fa ny firenena dia reki-tahotra nohon'igne.3a ny fomba ara-pivavahan'ny olo io dia tsisy dikane. Nanapaka hajo tagny agn'ala areo, ary ny mpanao asa-tagnana misikotra ny hajo. 4Aviteo dia hengoin-dreo amin'ny volafotsy sy volamena jany. Hamafisiny amin'ny tantagnana sy fantsika ba tsy ho lavo jany. 5Nemboarin'ny tagnan-dreo dia raha hôtran'ny kaly mampatahotra an-sahan-kôkômbra egny, satria io koa, dia tsy afaka mijaka na ino na ino, ary tsy mentsy lajain-dreo satria tsy afaka mandeha. Aja matahotra an'io, fa tsy afaka mitondra ratsy, na koa raha tsara io."'6Tsisy olo hôtra-Nao, ry Yaveh. Lehibe Anao, ary lehibe amin'ny hery ny agnaranao. 7Ija no tsy matahotra Anao, ry Mpanjakan'ny firenena? Fa jany no mendrika Anao, satria tsisy hôtra-Nao eo amin'ny lelahy hendry magneragnan'ny firenena na ny fanjakan'ny mpanjaka abiaby.8tovy aby areo, ketrigna sy adala areo, mpianatrin'ny sampy jay tsinotsino fa hajo. 9Areo dia mitondra tantagnana volafotsy hatagny Tarsysy, sy volamena hatagny Ofaza natan'ny mpanao asa-tagnana, dia ny tananan'ny mpandrendrike. Ny akanjon-dreo dia lamba manga sy voloparasy. Ny lelahy mahain-dreo no nanao ny raha abiaby io. 10Kanefa Yaveh no Andremanitra marina. Andremanitra velogna sy ny mpanjaka mandrakijay ijy. Mihorohoro amin'ny havignirany ny tane, ary tsy afaka miaritra ny havignirany ny firenena.11Hiresaka amin-dreo hôtran'ijao anao: "Ny andremanitra jay tsy nanao ny lagnitra sy ny tany dia ho faty amin'ny tany sy ny amban'io lagnitra io." 12Fa ijy no nanao ny tany tamin'ny alalan'ny herine, sy hametraka jao tontolo jao tamin'ny fahendrene, ary tamin'ny alalan'ny fahajavan-saigny no namelarany ny lagnitra. 13Ny feony no mampirahondrahogna ny rano amin'ny lagnitra egne, ary Ija no mampiakatra ny javogna avy hatamin'ny faran'ny tane. Mambôtra ny helatra hôn'ny oragna Ijy ary mandefa ny rivotra hatamin'ny tragno fagnatsarejana.14Lasa tsy ampy fahalalana ny olo abiaby, tsisy fahalalana. Nalain'ny sampiny baraka ny mpiasa vy abiaby. Fa fitaka ny sarin-draha vôsikone; tsisy fiagnana amin-dreo ao. 15Tsisy ilàna an-dreo, asan'ny mpagneso; ho fôgna ny amin'ny fotôgnan'ny famejane. 16Nefa Andremanitra, ny ampahan'i Jakoba, dia tsy hôtran'igne, fa Ijy no mpamolavola ny raha abiaby. Israely dia fokon'ny lovane; Yaveh Tompon'ny rehetra no Agnaranay.17Avorio nyfanagnanareo ary mialà amin'ny tane, anareo olo mipetraka ambany fahirano. 18Fijao no lajain'i Yaveh: "Ito, efa handrôka ny mponin'ny tany Aho amin'ijao fotôgna jao. Hahalasa fahorena amin-dreo Aho, ary ho hitan-dreo tokôtra jane."19Loja hônahy! Noho ny tôlako tapaka, dia magnonitra ny feriko. Ka hoy aho: "Fahorena tokôtra jao, nefa tsy meentsy jakaiko." 20Rava ny laiko, ary ny tadin'ny laiko abiaby die nijara rolahiteo, ka tsisy koa areo. Tsisy olo hamelatra ny laiko na hanangagna ny lamban-daiko koa.21Fa adala ny mpambigna ondry ary tsy mandremby an'i Yaveh areo; ka tsy niambigna areo, ary ny ondin-dreo abiaby dia niparitaka. 22Efa avy ny tatitry ny vaôvao: "Ito, avy, avy hata-varatra ny horohoron-tany angejabe. Ba hamotika ny tanànan'i Joda, fivonena hôn'ny amboadia."23Fantatro, ry Yaveh, fa ny lalan'ny olo raika dia tsy avy aminaje. Tsisy olo mandeha mahitsy amin'ny famindrane. 24Ampenaro, amin'ny fahamarinanao aho, ry Yaveh, fa tsy amin'ny havigniranao ka hamotika anahy Anao. 25Arotsahy amin'ny firenena eo jay tsy mahalala Anao sy ny fenakaviena jay tsy mangaika ny Angaranao ny havigniranao. Fefa nandrapaka an'i Jakoba sy naneligna anajy ba handrava anajy tanteraka sy handrodagna ny fonegnany areo.
Chapter 11

1Ijao no jaka jay avy tamin'i Jeremia hatamin'i Yaveh, manao hoe: 2"Tenoy ny jakan'itoy firenena toy, ary ambarao amin'ny olo tsirairay ao Joda sy ny mponin'i Jerosalema jane.3Mijaka amin-dreo hoe: 'Yaveh, Andremanitr'Israely no mijaka anijao: vôhojogna jay tsy miteno ny jakan'itoy fagnekena toy. 4Itoy no fagnekena jay nandidieko hitandreman'ny rajambenareo tamin'ny andro nitandrako an-dreo hivôka tamin'ny tany Egypta, amin'ny lafôro angeja be fandrendrehana vy. Dia nijaka aho hoe: " Tenoy ny feoko ary tanteraho ny raha abiaby arak'jay nandidieko anareo, fa ho oloko nareo ary Aho hôn'Ndremanitrareo." 5Mankatoava Anahy ba ahafahako magnamafy ny fiagnana jay nienieko tamin'ny rajambenareo, ny fiagnana fa hagnome an-dreo tan tondra-dronono sy tintely Aho, jay honegnanareo aminajo." Ary aho, Jeremia, namaly ka nijaka hoe: "Eka, ry Yaveh!"6Dia nijaka taminahy Yaveh hoe: "Ambarao agny amin'ny tanin'i Joda sy egny amin'ny lalan'gni Jerosalema ny raha abiaby igne. Lajao hoe: 'Tenoy ny jakan'ijao fagnekena jao ary tanteraho io. 7Fefa nagnome didy magnetriketrika hôn'ny rajambenareo aho nanomboka tamin'ny andro nitondrako anajy tamin'ny tany Egypta ka hatramin'ijao, nampitandrigna an-dreo amim-pikirijana ka nanao hoe: "Tenoy ny feoko."' 8Fa tsy niteno na nihevitra anahy mihintsy areo. Samy nandeha araka ny hamafin'ny fo ratsiny ny olo trirairay. Ka nitondra ny vôojogna tamin'ny fagnekena jay nandidieko ao aho ba ho avy hanohitra an-dreo. Fa bola tsy nankatò hiany ny vahôke."9Dia nijaka taminahy Yaveh hoe: "Nahitana teti-dratsy tamin'ny olon'i Joda tep sy ny mponon'gni Jerosalema. 10Nipody tamin'ny helok'io rajagny taloha teo areo, jay nandà hiteno ny jakako, fa naleon-dreo koja magnaraka ny andremani-kafa ba hanompo an-dreo. Nivadika tamin'ny fifagnekena jay napetrako niaraka tamin'ny rajan-dreo ny taranak'i Joda sy ny taranak'i Jerosalema.11Noho jany dia jao no lajain'i Yaveh: "Ito, loja jay tsy afahan-dreo Aho, loja jay tsy afahan-dreo milefa. 12Dia hangaika Anahy areo, fa tsy hiteno an-dreo Aho. Handeha sy hangaika ny andremanitra jay nitoloran-dreo fagnatitra ny tanànan'i Joda sy ny mpanompon'i Jerosalema, nefa ajo antoka fa tsy hahavonjy an-dreo amin'ny loja areo. 13Hônao a Joda, dia nitombo ho hôran'ny isan'ny tanànanao ny isan'ny andremanitrao. Anao no nambôtra ny isan'ny alitara mahamegnatra a Jerosalema tao, alitaran'ny ditin-kajo magnitra hôn'i Bala, hitovy isa amin'ny lalagne.14Ka anao, sy Jeremia, aja mivavaka ho an'itoy vahôka toy. Aja midradradradra na mivavaka amin'ny agnaran-dreo. Ary tsy hiteno an-dreo aho laha mangaika anahy agnatin'ny lojany areo. 15Nahôna ny malalako, ny raika jay nanagna fikasana ratsy rahabe, no an-dragnoko ao? Tsy afaka mitahy anao ny henan'ny fagnatitrao. Mifaly anao nohon'ny asa ratsinao. 16Hajo oliva miravigna no nangihan'i Yaveh anao taloha, tsara tarehy miaraka amin'ny vôny maha-te hijere. Fa handrehitra afo amin'ijany eo ijy jay handregnina hôtran'ny firehon'gny kotroke; ho tapaka ny rantsagne.17Fa Yaveh Tompon'ny maro, jay namboly anao, nandidy loja taminao noho ny asa ratsy jay natan'ny taranak'Israely sy ny taranak'i Joda__Nahavignitra anahy areo tamin'ny nagnomejana ny fagnatitra hôn'ny Bala."18Nampahafantarin'i Yaveh anahy jany raha jane, ka fantatro io. Anao, ry Yaveh, nampahita anahy ny asan-dreo. Dia hôtran'ny janak'ondry malemy fagnahy 19jay nandao egny amin'ny mpivaro-kena aho. Tsy nahafantatra aho fa namorogna fikasana ratsy hanohitra anahy areo hoe: "Andao haripa-tsena ny hajo sy ny vône! Andao ho tapahitsena hiala amin'ny tany fitoerany ijy ka tsy ho tsarôna koa negnarane." 20Fa Yaveh Tompon'ny rehetra no mpitsara marina jay mandinika ny fo sy saigna. Ho vavolombelon'gny ahotrao hanohitra an-dreo aho, fa naneho ny momba anahy taminao aho.21Noho jany Yaveh dia nijaka anijao mahakasika ny vahôkan'i Anatota jay mifofo ny aignao: "Hoy areo: 'Aja maminagny amin'ny agnaran'i yaveh anao, fa maha faty amin'ny alalan'ny tagnanay. 22'Dia hoy Yaveh Tompon'ny rehetra: 'Ito, efa hagnafay an-dreo aho. Ny tovolahy maherin-dreo dia ho fatin'ny mesa. Ny janaka lahy sy janaka vavin-dreo dia ho fatin'ny mosary. 23Tsy hisy na raika aja ho mivela amin-dreo, satria hitondra loja hanohitra ny vahôkan'i Anatota aho, taogna raika hôn'ny famejana an-dreo.
Chapter 12

1Marina anao, ry Yaveh, isaky ny mifanditra Aminao aho. Tokony hilaja Aminao tokôtra ny antony hitaregnako aho: Nahôna ny lalan'gny ratsy fagnahy no mahomby? Ny olo sty manam-pinôna abiaby dia mahomby. 2Nambolenao areo ary nagniry vahane. Tsy miegnina mamoa areo. Marivon'ny vavan-dreo Anao, nefa lavitra ny fon-dreo.3Fa Anao, ry Yaveh, mahalala anahy. Mahita anahy anao ary mijaha toetra ny foko aminao. Andôsy hôtran'ny ondry hivonina areo, ary hatokagny hômin'ny andro famonôna! 4Mandra-pahovena ny tany no hihamaigna fehijay, ary ny java-maniry amin'ny saha abiaby egny halajo noho ny amin'ny faharatsen'ny mponigna aminajy ao? Ny biby sy vorogna diefa nalaiko. Fa koja, hoy ny vahôka hoe: "Tsy fantatr'Andremanitra jay hanjo antsena."5Hoy Yaveh: "Eka tokôtra, laha anao, ry Jeremia, efa niara-nihajakajaka tamin'ny miaramila mpandeha hongotra ary nirerahin-dreo anao, aôna no hifaninagnanao amin'ny sôvaly? Laha lavo amin'ny tanàna ajo antoka anao, aôna no atanao agny amin'ny kirihitr'ala amoron'ny Jordana egne? 6Fa na dia ny rahalahinao sy ny fenakaven'ny iabanao aja diefa namadika anao ary efa nempanga mahare anao. Aja matoky an-dreo, na dia milaja raha mahafinaritra amianao aja areo.7Efa nandao ny tragnoko aho; efa nahafoy ny lovako. Nagnome ny vahôka malalako tan-tagnan'ny vahôka teo AHo. 8Efa nanjary hôtran'ny liogna agnaty kirihitr'ala hônahy ny lovako; mametraka ny tegnany hanohitra anahy tamin'ny feony ijy, ka halako ijy. 9Tsy hôtran'ny vorogna mpandremby ve ny loka fatako, no hanohitra an-dreo vorogna mpandremby hafa abiaby magnodidigna? Mandihana ary vorio ny biby abiaby ary andôsy handrapaka anajy areo.10Mpiambigna ondry rahabe no efa nanimba ny tanim-bôloboko. Efa nididiadidiany ny anjara taniko abiaby; natany tan-tetefitra sy lao ny anjara taniko mahafinaritre. 11Natan-dreo lao ijy. Malahelo anajy aho; lao ijy. Ny tany abiaby dia lasa lao aby, satria tsisy na raika aja nandray anijany am-po.12Ny mpandrava dia hoavy hanohitra ny toerana fôgna abiaby tagny an-tetefitra, fa ny mesan'i Yaveh dia mandevogna hatagny amin'ny faran'ny tany hatagny amin'ny raika faha. Tsisy fedanana amin'ny java-managn'aigna abiaby ao. 13Namafy vary areo nefa fantsy no vokatre. Vijaka amin'ny asa areo nefa tsy nahajo na ino na ino. Ka meteja ho megnatra ny amin'ny vokatraeo nohon'ny havigniran'i Yaveh."14Jao no lajain'i Yaveh tamin'ny mpiara-belogna aminahy abiay, ny ratsy faganahy jay nandroba ny fanagnana jay natako ho lovain'ny Israely vahôkako, "Ito, Aho no tokagna jay hangala an-dreo amin'ny taniny eo, ary halaiko tsy hômin-dreo eo ny tragnon'i Joda. 15Afaran'ijay dia ho fongoriko io firenena io, ary hamindra fo amin-dreo aho ary hitondra an-dreo hipody; hamerigna an-dreo aho--ny olo tsirairay samy amin'ny lovany sy amin'ny tanine.16Laha mianatra tsara ny fomban'ny oloko ny firenena io, ka miaigna amin'ny agnarako 'Laha velogna koa Yaveh' hôtran'ny efa nampenaran-dreo ny oloko ba hieniena amin'i Bala, dia haorigna agnivon'ny oloko eo areo. 17Fa laha misy tsy miteno dia ho fongoriko jany firenena jane. Ijany dia ho fongorina tokôtra ary hiravana---jany no fagnambaran'i Yaveh."
Chapter 13

1Nilaja anijao taminahy Yaveh hoe: "Mandihana ary mividiana atin'akanjo rongony fotsy ka fohejo amin'ny andilagnao eo jane, fany aja atao agnaty rano aloha eo jane." 2Ka dia nividy atin'akanjo hôtran'ijao nitantaran'i Yaveh anahy aho, ary nifihejiko tamin'ny andilako teo jane. 3Dia avy taminahy fagnindroany ny jakan'i Yaveh, nanao hoe: 4"Reso ny atin'akanjo jay avy nividinao jay amian'ny andilagnao eo, mitsangana ka mandihana amin'ny Eofrata agne. Avonio agnaty harambato ao jane."5Ka nandeha aho sady namony anijany tagny amin'ny Eofrata hôtran'ny nijakan'i Yaveh anahy. 6Afa andro maromaro, dia nijaka taminahy i Yaveh hoe: "Mitsangana ka mandihana mipody agny amin'ny Eofrata. Alay agny ny atin'akanjo jay nijakaiko havoninao." 7Ka niverigna tagy Eofrata aho ary nangady tao ny raha navoniko die ny atin'akanjo. Kanefa ito! simba ny atin'akanjo; tsy ba tsara koa nefa ijy.8Avy eo dia avy taminahy ny jakan'i Yaveh, nanao hoe: 9''Hoy Yaveh hoe: Mitovy amin'ijany ny fomba hamotehako ny fevognana angeja ben'ny Joda sy Jerosalema. 10Io vahôka ratsy jay mandà ny hiteno ny jakako io, jay mandeha amin'ny fahamafisan'ny fon-dreo, jay magnaraka andremani-kafa ba hanompo anigne sy henkohoka amin'igne__ho hôtran'ijany atin'akanjo jany areo jay tsara fa tsisy dikane. 11Fa hôtran'ny atin'akanjo raika mifikitra amin'ny tôlan-tehejan'gnolo, dia jany koa no efa nanôvako ny taranak'Israely sy ny taranak"i Joda hifikitra Aminahy__jany no fagnambaran'i Yaveh__ba ho vahôkako, ba hitondra laja, dera, ary voninahitra hôn'Ahe. Fany tsy niteno anahy areo.12Ka tokony hijaka anijao jaka jao hôn-dreo anao hoe: 'Yaveh, ny Andremanitr'Israely dia milaja anujao: Ny tavoangy abiaby dia ho feno divay.' Hijaka aminao areo hoe: 'Sa tsy fantatray tokôtra ve fa ho feno divay ny tavoangy abiaby?' 13Ka dia lajao areo hoe: 'Hoy Yaveh hoe: Ito, ho fenoiko fahamamôna ny mponigna abiaby an'toy tany toy, ny mpanjaka jay mipetraka eo amin'ny seja fendrianan'i Davida, ny mpisorogna, mpaminagny, ary ny mponin'gni Jerosalema abiaby. 14Ary dia hampifamotehiko areo, ny ray olo sy ny jana-kolo miaraka__jany no fagnambaran'i Yaveh__Tsy hamindra fo amin-dreo Aho na hanagna fangoraham-po, ary tsy hagnavotra an-dreo amin'ny fahapotehana Aho.15Mitenoa ka mandreenesa. Aja miavognavogna, fa Yaveh no efa nijaka. 16Magnomeja voninahitra hôn'i Yaveh Andremanitrareo melohan'ny hitondrany hejigna, ary melohan'ny hanafintohignany ny hongontrareo an-tendrombohitra ao amin'ny mejimejigna. Fa magnantegna hajavana anao, fany hamadika ny toerana ho hejigna laligna Ijy, ho rahogna menty. 17Noho jany laha tsy hiteno anao, dia hitomagny rery aho noho ny fiovaovanao. Hanganohano sy handeha ny ranomaso tokôtra ny masoko, satria nibaboina ny ondrin'i Yaveh.18Lajao ny mpanjaka sy ny mpanjakavavy reniny hoe: 'Magnetre tegna anao ka mipitraha, fa ny satro-boninahitra amin'ny lohanao eo, ny fireharehana sy voninahitrareo, dia efa lavo.' 19Hikatogna aby ny tanànan'i Negeva, tsisy raika hamoha io. Ho gadraina i Joda, hatao sesitany ny amin'ny abiaby.20Asandrato ny masonao ka jerevo ny avy hatagny avaratre. Aja ny andian'ondry jay nomeny anao, ny andian'ondry jay tena tsara tarehy taminao? 21Ino no ho lajainao laha apetrak'Andremanitra aminao eo jay efa nampenarinao ba hôkamanao? Tsy io ve ny fetombohan'ny fanaintaignana jay hahajo anao hôtran'ny viavy miteraka?22Dia metyhijaka anakampo anao hoe: "Nahôna no miseho aminahy io raha io?" Dia hômin'ny fahaben'ny fahotanao no nampiainga ny ziponao ary nagnolagnana anao. 23Sa afaka ny hagnova ny volon-kodiny ve ny osy, na ny leoparda hagnova ny pentigny? Laha jany, dia anao tegnanao, na dia jatra ny faharatsiena aja, dia afaka manao ny tsara. 24Noho jany dia hampiely anajy io hôtran'ny mongo jay levon'gny rivotry ny efitra Aho.25iJany no nomeko anao, ny anjara jay efa nididiko hônao__jany no fagnambaran'i Yaveh__satria efa nagnadigno Anahy anao ary nitoky tamim-pitaka. 26Noho jany hiany koa dia Aho mihintsy no hangala ny ziponao aminao, ary hiseho ny faritra saro-padinao. 27Efa nahita ny fagnitsakitsaham-bady sy ny fihiekanao Aho, ny faharatsen'ny fivarotan-tegnanao tamin'ny haragna sy tamin'ny saha tegny, ary efa nahita ny raha mamparikoriko igne Aho! Loja hônao, ry Jerosalema! Fotôgna manao ahôna jany vô hadio indraika anao?"
Chapter 14

1Ijao no jakan'i Yaveh jay avy tamin'i Jeremia momba ny hain-tane, 2"Ôka hisôgna i Joda, ôka hitagnondrika ny vavahadine. Midradradradra ny amin'ny tany areo; miakatra ny fitaraignan-dreo handeha agny Jerosalema. 3Ny lehibeny magniraka ny mpanompony handremby rano. Laha mandeha amin'ny famoren-drano agny areo, dia tsy mahita rano. Miveri-maigna aby areo; mandrakotra ny lohan-dreo ny hegnatra sy fahafaham-baraka.4Noho jany dia nitresaka ny tane, satria tsisy oragna tamin'ny tany teo. Ny mpiasa tany dia megnatra ary mandrakotra ny lohan-dreo. 5Fa na dia ny diera vavy aja mamela ny janagny an-saha agny ary manadao an-dreo, satria tsisy vilogna. 6Ny boriky dia miegnina amin'ny tani-hay agny ary misefosefo amin'ny rivotra hôtran'ny amboadia. Jambegna ny mason-dreo, satria tsisy java-maniry."7Ry Yaveh, na dia nempanga anay aja ny helokay, dia miasà noho ny amin'ny agnaranao. Fa ny asanay tsy am-pinôna dia mitombo; efa nanota taminao ahay. 8Ô fagnantenan'ny Israely, ny tokagna jay namonjy anajy tamin'ny fotôm-pahorena, nahôna Anao no ho hôtran'ny vahiny amin'ny tane, hôtran'ny vahiny mpirenireny jay mitroka ka mandry indraika aligna monja? 9Nahôna no hôtran'ny mpiady jay tsy afaka mamonjy na ija na ija? Fa Anao dia eo agnivonay, ry Yaveh! Efa nambara taminay teo negnaranao. Aja mandao anay.10Ijao no nambaran'i Yaveh amin'itoy vahôka toy: "Satria mirenireny areo, dia tsy nitagna ny hongony tamin'ny fanôvana anijany areo. "Tsy faly amin-dreo Yaveh. Amijao mahatsiaro ny helon-dreo Ijy, ary nagnafay ny fahotane. 11Hoy Yaveh taminahe: "Aja mangataka jay hahasoa itoy vahôka toy. 12Fa laha mifady hanina areo, dia hiteno ny fitaregnany Aho, ary laha manao fagnatitra rôna sy fagnatitra ho hanina areo, dia tsy hankasitraka an-dreo Aho. Fa handringagna an-dreo amin'ny mesa, mosary, ary areti-mandringagna Aho."13Dia hoy aho hoe: "Eee, ry Yave Tompo! Ito! Ny mpaminagny manao amin'ny olo hoe: 'Tsy hahita mesa anareo; tsy hisy mosary hônareo, satria hagnome fandre-pahalemana marina hônareo amin'itoy toerana itoy aho."' 14Dia hoy Yaveh taminahe: "Ny mpaminagny dia maminagny amim-pitaka amin'ny agnarako. Tsy nagniraka an-dreo, na nagnome beko an-dreo na nivoria tamin-dreo Aho. Fa hahitanna vandy sy java-pôgna, faminaniena tsy marina avy amin'ny saim-pantan-dreo no haminanieny aminareo."15Noho jany dia jao no lajain'i Yaveh: "Mahakassika ny mpaminagny maminagny amin'ny agnarako nefa tsy nirahiko__jay mijaka fa tsy hisy mesa na mosary amin'itoy tany toy: Ny mpaminagny io dia haringagna amin'ny mesa sy mosare. 16Ary ny olo jay naminanieny dia hatsipy amin'ny lalan'i Jerosalema egny nohon'ny mosary sy mesa, fa tsy hisy a raaika aja handevigna an-dreo__areo, ny vadine, ny janagny lahy, na ny janagny vavy_fa handraraka ny faharatsien-dreo amin-dreo eo Aho.17Lajao amin-dreo jao jaka jao: 'Ôka ny ranomasoko handifotra ny masoko andro aman'aligna. Aja avela hiegnina areo, fa hisy faharingagnana lehibe hôn'ny janaka vavy virijinin'ny oloko_ratra lehibe ary tsy ajo afahina. 18Laha mivôka hôn-saha Aho, dia ito jay matin'ny mesa! Laha avy ao amin'ny tanàna Aho, dia ito ny aretigna jay vokatry ny mosare. Na ny mpaminagny na ny mpisorogna dia hirenireny amin'ny tany eo aby, ary tsy hahalala an-dreo.'"19Efa nandà tanteraka an'i Joda ve Anao? Halanao ve i Ziona? Nahôna Anao no hampahory anay laha tsisy fagnasitragnana hônay, nagnantegna fedanana ahay, fa tsisy raha vagnona__ary hôn'ny fotôgna fagnasitragnana, nefa ito, horohoro hiany no misy. 20Magneky ahay, ry Yaveh, ny fandikànay lalàna, ny helokin'ny rajambenay, satria efa nanota taminao ahay.21Aja lavina ahay! Fa noho ny amin'ny agnarako, dia aja magnala baraka ny seja fendriagnanao be voninahitra. Tsarovy ary aja magnafôgna ny fagnekenao taminay. 22Sa ve misy amin'ny sampin'ny firenena no mahavita mampandatsaka ranon'oragna ny lagnitra? Ry Yaveh Andremanitray, sa ve tsy Anao no tokagna, no manao anijao? Magnantegna anao ahay, satria Anao no efa nanao anijao abiay jao.
Chapter 15

1Dia hoy Yaveh taminahy hoe: "Na dia Mosesy na Samoela aja no nijoro talohako teo, dia tsy bola hankasitraka toy vahôka toy Aho. Roahy hila alohako eo areo, ba handihanan-dreo. 2Ary dia hilaja aminao areo hoe: 'Aja no tokony handihananay?' Dia tsy mentsy hijaka amin-dreo anao hoe: 'Jao no lajain'i Yaveh: Ny vôlahatra ho faty dia ho fate; ny vôlahatra hôn'ny mesa dia ho faty amin'ny mesa. Ny vôlahatra hôn'ny mosary dia ho fatin'ny mosary; ary ny vôlahatra hômin'ny figadrana dia ho gadra.'3Fa ho tandremako ho antoko efatra areo__jany no fagnambaran'i Yaveh__ny mesa dia hamono ny sasagny, ny amboa hitaritarika ny sasagne, ny voron'gny lagnitra sy ny bibidian'ny tany 4handevognana ary hamotika ny sasagne. Hatako raha mampivarahontsagna an'ny fanjakan'ny tany abiaby areo, noho jay raha natan'i Manase janak'i Hezekia, mpanjakan'i Joda, tagny Jerosalema.5Fa ija no hangoraka anao, ry Jerosalema? Ija no halahelo anao, Ija no hipody hagnotany momba ny toe-tegnanao? 6Nahafoy Anahy anao__jany no fagnambaran'i Yaveh--efa niala taminahy anao. Ka hamela anao amin'ny tagnako Aho ary hamotika anao. Vijaka ny mamindra fo aminao Aho. 7Ka dia hikororohiko amin'ny fikororohana amin'ny vavahadin'ny tany eo areo. Hampahory an-dreo Aho. Hamotika ny vahôkako Aho satria tsy hiala amin'ny lalagny areo.8Hataoko rahabe noho ny fasika egny amoron-dranomasina ny mpitondrategnan-dreo. Handefa ny mpandrava amin'ny atoandro amin'ny endrin'ny tanora lahy Aho. Handatsaka horohoro sy tahotra tampoka amin-dreo Aho. 9Ny reny jay niteraka jaja fito dia hihaosa. Hiala aigna ijy. Ny masoandrony dia hilentika laha bola ando igne. Ho afa-baraka sy megnatra ijy, fa homeko agnatrehan'ny fahavalony eo jay sisa velogna tamin'ny mesa__jany no fagnambaran'i Yaveh."10Loja hôn'ahy, ry endriko! Fa niteraka anahy anao, aho jay lelahin'ny adihevitra. sy fandresen-dahatra magneragna ny tany abiaby. Tsy managna ho ampindramina aho, ary tsy nisyolo nampindragna anahy, nefa magnojogna anahy ijy abiaby. 11Hoy Yaveh: "Tsy hamonjy anao amin'ny tsara ve Aho? Hatako mila vonjy amin'ny fotôn'gny loja sy fahorena tokôtra ny fahavalonao. 12Mahapotika vy ve ny olo? Indrindra fa ny vy hata-varatra agny jay miharo varahigna?13Homeko ny fahavalonao ho gadra maimaim-pôgna ny harena sy java-sarobidinao. Hatako jany nohon'ny fahotana abiaby natanao tagnatin'ny faritaninao abiaby tao. 14Dia hatako manompo ny fahavalonao amin'ny tany agny jay tsy fantatrao anao, fa hirehitra ny afo, handrehitra ny havignirako aminao."15Ry Yaveh, Anao mahalala! Tsarovy aho ka vonjeo. Manôva valifaty hônahy amin'ijay magnenjika anahy. Mahari-pery Anao, nefa aja avela hangala anahy areo; fantaro fa mijaly amin'ny fagnalam-baraka noho Anao aho. 16Efa hita ny jakanao, ary nitsakotsakoiko io. Ny jakanao dia lasa hafalena hôn'ahy ary fahafinaretan'ny foko, fa mitondra ny agnaranao aho, ry Yaveh, Andremanitra Tompon'ny rehetra.17Tsy nipetraka amin'ny faribolagn'ijay nankalaja na nifaly teo aho. Nipetraka rery aho nohon'ny tagnanao mahery, satria nifenônao havignirana aho. 18Nahôna no mitohy ny fanaintaignako ary tsisy fagnafodiny ny ratrako, mandà ny ho afahina? Ho hôtran'ny rano mamitaka aminahy ve Anao, rano jay ritra?19Ka jao no lajain'i Yaveh: "Laha mibebaka anao, ry Jeremia, dia hiheveriko indraika, ary hijoro alohako eo anao ka hanompo Anahy. Fa laha magnasaraka ny raha môlamôla amin'ny raha sarobidy anao, dia ho hôtran'ny vavako anao. Hipody aminao ny vahôkako, nefa anao dia tsy hipody amin-dreo. 20Hatako hôtran'ny manda varahigna tsy ajo idirana hôn'itoy vahôka toy anao, ary hangagna ady amiao areo. Nefa tsy handresy anao areo, satria momba anao Aho ba hamonjy sy hagnavotra anao__jany no fagnambaran'i Yaveh___ 21fa hamonjy anao amin'ny tananan'ny ratsy fagnahy Aho ary hagnavotra anao amin'ny tananan'ny mpagnano jadogna."
Chapter 16

1Ary avy taminahy ny jakan'i Yaveh, nanao hoe: 2"Aja mangala vady hôn'ny tegnanao, ary aja miteraka lahy na vavy amin'ny tegnanao amin'itoy toerana toy. 3Fa i Yaveh nijaka anijany tamin'ny janaka lahy sy vavy jay teraka teto amin'itoy toerana toy tamin'ny reny jay nitondra an-dreo, sy tamin'ny raika jay nahatonga an-dreo ho teraka teto ambonin'itoy tany toy, 4"Ho faty ami'ny aretim-pahafatesana areo. Tsy hitomagnena areo na halevigna. ho lasa hôtran'ny jejika amin'ny tany areo. Fa amin'ny alalan'ny mesa sy ny mosary no hefaran-dreo, ary ny fatin-dreo dia ho lasa rahanina hôn'ny voron'gny lagnitra sy ny bibin'ny tane.'5Fa avy taminahy ny jakan'i Yaveh, nanao hoe; "Aja miditra amin'ny tragno jay misy fitomagnena. Aja mandeha ba hitomagny na hampiseho fangorahana hôn-dreo, fefa nalaiko tamin'jany vahôka teojany fedanako, ny fitiavako tsy miova sy ny famindram-poko__jany no fagnambaran'i Yaaveh. 6Nengeja sy kely dia samy ho faty eto amin'toy tany toy. Tsy halevigna areo, ary tsy hisy na ray aja hitomagny an-dreo na hanapaka ny jakan-dreo na handratra ny lohany hôn-dreo.7Ôka tsy hisy na ija na ija hijara rahanina amin'ny fisôgnana ba hampionogna areo noho ny fahafatesana, ary ôka tsy hisy hagnome kapôka fampionognana hôn'ny iabany na hôn'ny endriny ba hampionognana areo. 8Ôka anao tsy hômin'ny tragno fanasana ba hipetraka hiaraka amin-dreo ba hihinagna na hinogna.' 9Fa Yaveh tompon'ny rehetra, Andremanitr'Israely, nanao hoe: 'Ito, eto agnatrehan'ny masonareo, andronareo ary amin'itoy toerana toy, hampiegnina ny feon'ny fifalena sy ny feon'ny firavoravôna aho, ny feon'ny mpampiakatra sy ny feon'ny ampekarina.'10Ary anao hitatitra ny jaka abiaby amin'ito vahôka ito aminijany andro jany, ary hilaja aminao areo hoe: 'Nahôna Yaveh no nandidy toy loja angeja be abiay hagnorenana antsena toy? Ino helokay sy fahotanay jay nanotanay tamin'i Yaveh Andremanitsika? 11Ka lajao areo hoe: 'Satria nandao anahy ny rajambenareo--jany no fagnambaran'i Yaveh--ary nandeha amin'ny andremani-kafa areo ary nanompo sy nenkohoka tamin-dreo. Dia nandao Ahy areo ary tsy nitàgna ny didiko.12Fany ny tegnanareo dia efa nitondra faharatsena rahabe noho ny rajambenareo, ka ito, samy nandeha tamin'ny famafisan-dohany ny olo tsirairay afaka ny fo ratsine; tsisy na ray aja miteno Anahy. 13Ka halaiko eto amin'itoy tany toy handeha amin'ny tany jay tsy bola fantatrareo na ny rajambenareo, ary hanompo ny andremani-kafa andro amnan'aligna agny anareo, fa tsy hagnome fankasitrahana hônareo Aho.'14Ka noho jany, indro, avy ary ny andro--jao no fagnambaran'i Yaveh--laha tsy hilajaina koa hoe: 15"Laha bola velogna koa i Yaveh, jay nitondra ny vahôkan'Israely hatamin'ny tanin'i Egypta agne.' Fa hoe; 'Laha bola velogna koa i Yaveh, jay nitondra ny vahôkan'Israely hatamin'ny tany avaratra agny sy avy amin'ny tany jay efa nampielejana an-dreo agne.' Fa hampodiko amin'ny tany jay nomeko ny rajambeny areo agne.16Ito! Handefa mpagnarato rahabe aho__jao no fagnambaran'i Yaveh--ka hagnarato ny olo areo. Afaran'jany dia handefa mpandremby maro aho ba handremby hôn-dreo amin'ny tendrombohitra egny sy haragna abiaby, ary agnelagnelan'gny harambato egny areo. 17Fa ny masoko dia hômin'ny lalan-dreo abiaby egne; tsy afaka ny hivony alohako eo areo. Tsy afaka ny hivony alohan'ny masoko eo ny helon-dreo. 18Hagnonotra indroa mentôgna ny heloka sy ny otan-dreo hôn'ny fandotôn-dreo ny taniko tamin'ny sampy vetavetan-dreo aloha Aho, sy ny famenôn-dreo sampy mamparikoriko ny lovako."19Yaveh ô! Anao no ferovako mahery sy felofako, toerana ajoko antoka amin'ny androm-pahorena. Ho agny amminao ny firenena hatagny amin'ny faran'ny tany ary hilaja hoe: 'nandova fitaka tokôtra ny rajambenay. Fôgna areo; ary tsehitana tombontsoa amin-dreo ao. 20Manao andremanitra hôn'ny tegnan-dreo ve ny olo? Kanefa tsy andremanitra areo.' 21Noho jany ito! Ho ampahafantariko an-dreo amin'ijany fotĝna jany, hatako fantan-dreo ny tagnako sy ny heriko, ka ho fatan-dreo fa Yaveh negnarako.
Chapter 17

1"Vôsoratra tamin'ny penina vy managna tendro diamondra ny fahotan'i Joda. vôsikotra amin'ny takelaky ny fon-dreo sy amin'ny tandrokin'ny alitaranao eo jane. 2Na dia ny jana-dreo aja dia mahatsiaro ny alitarany sy ny baon'Aserahany jay narivo ny hajo misandrahaka sy tambonin'ny haragna ambony teo.3Ttan-tendrombohitro tamin'ny tanàna malalaka tao ny baon'Aseraha. Ny harenareo sy ny java-sarobidinareo abiaby dia homeko hôtran'ny gadra, miaraka amin'ny fitoerana amboninareo, noho n'ny fahotana natanareo tamin'ny faritaninareo abiaby teo. 4Ho very ny lova jay nameko anareo. Hatako andevon'ny fahavalonareo anareo amin'ny tany jay tsy fantatrareo ao anareo, fa anareo diefa nandrehitra afo amin'ny havignirako, jay hirehitra mandrakijay."5Hoy i Yaveh: "Vôojogna ny olo jay matoky olombelogna; manao ny nofony ho heriny ijy nefa mampivily ny fony amin'i Yaveh. 6Fa ho hôtran'ny kirihitra kely a Araba ijy ary tsy hahita java-tsoa ho avy. Hiegnina amin'ny toeram-batolampy agny an-tetefitra ijy, tany karakaigna tsisy mponigna.7Nefa vôtahy ny olo jay matoky an'i Yaveh, fa Yaveh no anton'ny fahatokisane. 8Fa hanjary hôtran'ny hajo nambolena tamoron-drano tegny ijy, hisandrahaka amoron'ny rieka ny vahane. Tsy hatahotra ny hafananaijy laha avy jane, fa ny ravigny dia metso mandrakariva. Tsy magnahy amin'ny taognan'ny hain-tany ijy, ary tsy hiegnina hamoa ijy.9Mamitaka mihôtran'ny raha abiaby ny fo. Marary jany; ija no afaka hahatakatra anijane? 10Aho no Yaveh, ny mijaha ny ao an-saigna, ny mitsapa ny fo. Magnome hôtran'ny fomban'ny olo tsirairay Aho, araky ny vokatrin'ny asane. 11Mikotrika ny atody jay tsy nalatsagny ny tsipohe. Mety ho lasa mpanankarena tsy ara-drariny ny olo, nefa laha misasaka ny andro iaignany, dia handao anajy io mpanankarena io, ary am-parany agny dia ho lasa adala ijy."12"Ny sejan'ny tempoly dia seja fiandriagnana be voninahitra, nankarina hatan-pendohana. 13Yaveh no fanantenan'Israely. Ho megnatra ny abiaby jay mandao Anao. Ny ao amin'ny tany jay niala taminao dia ho soratana amin'ny vovoka. 14Satria mandao an'i Yaveh areo, ny loharanon'ny rano velogna. Sitragno aho, ry Yaveh, dia hahafaka aho! Vonjeo aho, dia ho vôvonjy aho. Fa Anao no hira fiderako.15Itp, hoy areo taminahe: "Aja ny jakan'i Yaveh? Avilay jany ho avy!' 16Laha ny aminahy, tsy nenga tamin'ny maha mpiambigna ondry magnaraka Anao aho, tsy nagniry ny andron'ny loja aho. Fatatrao ny fagnambarana hatamin'ny molotro. Natao tamin'ny fagnatrehanao teo igne.17Aja mampihorohoro anahe. Anao no felofako amin'ny andron'ny loja. Ôka ho megnatra anie ny mpagnenjika anahe, nefa aja avela ho megnatra aho. 18Ôka areo hatahotra, fa aja avela hatahotra aho. Alifaso amin-dreo ny andron'ny loja ary torotoroy amin'ny anjara loja indroy mentôgna areo."19Jao no lajain'i Yaveh taminahe; "Mandihana ary mijoroa amin'ny vavahadin'ny vahôka eo jay hidiran'ny mpanjakan'i Joda sy ivoahan-dreo ary avy amin'ny vavahady hafa an'i Jerosalema abiaby. 20Lajay areo hoe: 'Tenoy ny jakan'i Yaveh, ry mpanjakan'i Joda sy anareo vahôkan'i Joda abiaby, ary ny mponin'i Jerosalema jay mandalo amin'io vavahady io.21Jao no lajain'i Yaveh: "Tandremo ny aignareo aja milanja enta-mavesatra amin'ny andro Sabata ka hitondra anijany mandeha amin'ny vavahadin'i Jerosalema. Aja mitondra entagna mivôka ny tragnonareo amin'ny Andro Sabata. 22Aja manao asa na ino na ino, fa atokano ny Andro Sabata, jay hôtran'ny nandidieko ny rajagnao hatao."' 23Tsy niteno na nitandrigna areo, fa namafy ny hatogny ba tsy harignesany anahy na hagneky famejana.24Hiseho jao raha miteno anahy tokôtra anareo__jao no fagnambaran'i Yaveh__ary aja mitondra entagna mandeha amin'ny vavahadin'ny tanàna amin'ny Andro Sabata fa koja atokano hôn'i Yaveh ny Andro Sabata ary aja manao asa na ino na ino amin'ijany, 25ary ny mpanjaka, andriena, sy jay mipetraka amin'ny seja fiandriagnan'i Davida dia handeha eo amin'itoy nanahadin'itoy tanàna toy amin'ny kalesa miaraka amin'ny sôvale, areo sy ny mpitarika an-dreo, ny lelahin'i Joda sy ny mponin'i Jerosalema, ary toy tanàna toy dia hipitrahana mandrakijay.26Ijy io dia ho avy agny amin'ny tanànan'i Joda sy avy amin'ny manodidigna an'i Jerosalema, avy amin'ny tanin'i Benjamina sy ny faritra iva, avy agny amin'ny tendrombohitra, ary avy agny Negeva, hitondra fagnatitra rôna sy ny sorogna, fagnatitra voa sy ditin-kajo magnitra, fagnati-pisôrana an-dragnon'i Yaveh ao. 27Nefa laha tsy miteno Anahy anareo__ny amin'ny fanokanana ny Andro Sabata sy ny tsy fitondrana enta-mavesatra ary ny tsy fidirana amin'ny vavahadin'i Jerosalema amin'ny Andro Sabata__dia handrihetako afo amin'ny vavahadine eo, ka handevogna ny mandan'i Jerosalema jane, ary tsy hivonina jane."
Chapter 18

1Ny jaka jay hatamin'i Jeremia hatamin'i Yaveh, manao hoe: 2"Mitsangana ary mivoaha tandragnon'ny mpanefy tanimanga tao, fa agny no hampandrignesiko anao jay jakako." 3Ka nandeha andragnon'ny mpanefy tanimanga tagny aho, ary ito! Ny mpanefy tanimanga dia niasa tamin'ny kodiarany teo. 4Fa simba tan-tagnany ny vilagny tanimanga jay nivolavolaina, ka niova hevitra ijy ary nanao raha hafa jay tena tsara tamasony teo.5Dia avy taminahy ny jakan'i Yaveh, nagnano hoe: 6"Tsy afaka manao hôtran'ny amboarin'io mpanefy io aminareo ve Aho, ry ankohonan'Israely?-- jao no fagnambaran'i Yaveh. Ito! hôtran'ny tanimanga tan-tagan'ny mpanefy teo__dia hôtran'ijany anareo tan-tagnako teo, ry ankohonan'Israely. 7Amin'ny fotôgna raika, dia mety hanognona raha hôn'ny firenena na fanjakana raika Aho, ba hamoaahako, handrodagnako, na hamotehako anijane. 8Fa laha miala amin'ny haratsieny ny firenena jay nanôvaka anijany fagnambarana jane, dia nitagna loja jay nomagniko handako amijany Aho.9Amin'ny fotôgna hafa, dia mety hagnambara raha momban'ny firenena na fanjakana raika Aho, fa hanangagna na hamboly anijany Aho. 10Fa laha magnano ratsy amasoko eo ijy amin'ny tsy fitenôna ny feoko, dia habelako ny soa jay nilajaiko fa hatako amin-dreo.11Ary amijao, mijaka amin'ny olon'i Joda sy amin'ny mponin'gni Jerosalema ka lajay hoe: 'Jao no lajain'i Yaveh: Ito, hamolavola loja hônareo Aho. Efa mamorogna tetika hagnamboarana anareo Aho. Mibebaha, amin'ny fomba ratsiny ny olo tsirairay aby, dia hitondra tsara hônareo ny fombanareeo sy ny fatanareo.' 12Fa hijaka areo hoe: 'Tsisy lalàna anajy jane. Hanao jay araky jay fikasanay manokagna ahay. Ny tsirairay aby aminay dia hanao jay fagnirien-dratsin'ny fone.'13Noho jany dia jao no lajain'i Yaveh:' Agnotanio ny firenena, ija no efa naharegny karajan-draha hôhatran'jao? Efa nanao asa mahakamo Israely virijiny. 14Sa ve ny oram-pagnala a Libanona efa nandao ny haram-bato agnilagne? Sa ve ny rien-tendrombohitra hata-lavitra efa rava, ny riegna mangatseke?15Efa nagnadigno anahy ny vahôkako. Nambôtra fagnatitra hôn'ny sampy tsisy dikany areo ary natao ho tafantohigna amin'ny lalagny teo areo; nandao ny lalagny taloha areo hômin'ny lalagna kelikele. 16Ho avy horohoro ny tanin-dreo, ho anton'ny fiopioka mandrakijay. Jay abiaby mandalo aminajy eo dia hangorohoro sy hagnifikifi-doha. Hagnaparitaka an-dreo alohan'ny fahavalony eo hôtran'ny rivotra antsignanana Aho. 17Hagnatoro ny lamosiko amin-dreo Aho, fa tsy ny tarehiko, amin'ny andron'ny lojan-dreo.'"18Ka hoy ny vahôka tamin'i Jeremia: "Magnantogna, ôka atsena hanao tetika hanoherana an'i Jerosalema, fa tsy ho levogna ny lalàna hatami'ny mpisorogna, na ny toro-hevitra hatami'ny olon-kendre, na ny jaka hatamin'ny mpaminagny. Magnantogna, ôka atsena hanafika anajy amin'ny jakantsena ary tsy hitandrigna jay lajainy koa." 19Mitenoa anahy, ry Yaveh, ary tenoy ny feon'ny fahavaloko. 20Sa ve ny loja hatamin-dreo tokôtra no valisoako tamin'ny hatsaram-pagnahiko tamin-dreo? Fa nangady lavaka hônahy areo. Tsarovy ny nitsanganako talohanao teo ba hivoria ny fifagnampien-dreo, ba hampiala ny havigniranao amin-dreo.21Noho jany dia atôvy avy amin'ny janagny ny mosare, ary atolory antagnan'ijay mampiasa mesa eo areo. Ka avilay ny viavin-dreo hidognam-pahorena sy ho mpitondrategna, ary ny lelahy ho mate, ary ny tovolahiny ho matin'ny mesa agn'ady agne. 22Ôka ho regny hatamin'ny tragnon-dreo ny hiekam-pahorena, hôtran'ny hitondranao mpanafika hanohitra an-dreo tampoke. Fefa nangady hady hanamborana anahy areo ary namony fandrika hôn'ny hongotro. 23Fanao, a Yaveh, Anao mahalala ny paika abiabin-dreo aminahy ba hamonôny anahe. Aja mamela ny heloka sy fahotan-dreo. Aja mamafa ny fahotan-dreo hiala Aminao. Fa koja, ôka areo ho rava agnatrehanao eo. Mihitseha hanohitra an-dreo amin'ny fotôgnan'ny havigniranao.
Chapter 19

1Jao no nilajain'i Yaveh: "Mandihana ary mividiana tavoangy tanimangan'ny mpanefy tanimanga laha miaraka ami'ny loholon'ny vahôka sy ny mpisorogna anao. 2Dia mivoaha amin'ny lohasahan'i Ben-Hinoma agny amin'ny fidiran'ny vavahadin'ny vilagny vaky agne, ary ambarao ao ny jaka jay hijakaiko aminao. 3Lajay hoe: 'Tenoy ny jakan'i Yaveh, ry mpanjakan'i Joda sy mponin'gni Jerosalema! Yaveh Tompon'ny rehetra, Andremanitrin'ny Israely, mijaka anijao: "Ito, ary aho dia hitondra loja ammin'itoy toerana toy, sady ny sofin-dreo abiaby jay maharegny anijao dia hangotsokotsoke.4Hambôtra anijany aho satria nafoin-dreo Aho ary nizimbazimbain'itoy toera toy. Eto amin'itoy toera toy no anoloran-dreo sorogna hôn'ny andremani-kafa jay tsy fantane. Areo, ny rajambeny, ary ny mpanjakan'i Joda hiany koa diefa nameno ràn'ny tsy manan-tsigny tamin'itoy toerana toy. 5Namorogna ny toerana ambonin'i Bala areo hagnorôna amin'ny afo ny janakalahin-dreo ho fagnatitra rôna hônajy ijy__raha jay tsy nididieko na nitognoniko, na koa tan-saiko.6Ka, ito, ho avy ny andro__jao no fagnambaran'i Yaveh--laha tsy hangihana koa hoe Tofeta toy toerana toy, ny lohasahan'i Ben-Hinoma, fa ho lasa lohasahan'ny Famonôna jane. 7Eto amitoy toerana toy no hanônavako ny fikasan'i Joda sy Jerosalema tsy hisy ilàna anaje. Hatako ho lavon'ny mesa alohan'ny fahavalon-dreo ary ny tananan'ijay mifofo ny ain-dreo. Dia hameko ho rahanin'ny vorogna amin'ny lagnitra egny sy ny biby amin'ny tany egny ny fatin-dreo. 8Dia hatako ho faharavana sy raha fisitrisitrihan'itoy tanàn'itoy, ka jay abiaby mandalo amijany eo dia hangorohoro sy hifioka momban'ny areti-mandringagna abiaby. 9Hampihinaniko ny nofon'ny janagny lahy sy ny janagny vavin-dreo; olo tsirairay dia hihinagna ny nofon'ny mpiara-belogna aminajy amin'ny fahirano eo ary amin'ny fangirifiriena no hitondrana an-dreo amin'ny fahavalony sy ny mandremby ny aigne."'10Dia hivakiena amason'ny lelahy eo jay niaraka taminao ny tavoangy tanimanga. 11Hilaja amin-dreo anao hoe: 'Ija no lajain'i Yaveh Tompon'ny abiaby: "Hanao raha mitovy hôtran'ijany amin'itoy vahôka toy sy toy tanàna toy Aho__jany no fagnambaran'i Yaveh__hôtran'ny nanorotorônan'i Jeremia ny tavoangy tanimanga no tsy nahafahana namboarana anijany indraika. Handevigna ny maty a Tofeta ny olo mandra-paha tsisy toerana hafa handivegnana ny maty koa.12tra'ijany no hanôvako toy toerana toy sy ny mponigna laha ahanao toy toerana toy hôtran'i Tofeta Aho__jany no fagnambaran'i Yaveh__ 13ka ny tragnon'i Jerosalema sy ny mpanjakan'i Joda dia ho jasa hôtran'i Tofeta__ny tragno abiaby jay misy tampon-tragno hideran'ny olo maloto ny kitangna abiaby amin'ny lagnitra egny ary andrarahany fagnatitra nomina hôn'ny andremani-kafa.14Dia avy hata-Tofeta i Jeremia, jay nagnirahan'i Yaveh anajy ba haminagny. Nitsangagna tamin'ny kianjan'ny tragnon'i Yaveh ijy ary nijaka tamin'ny olo abiaby hoe: 15"Jao no lajain'ny Yaveh Tompon'ny abiaby, Andremanitr'Israely hoe: 'Ito, hitondra amin'itoy tanàna toy sy ny renivohiny abiaby ny loja abiaby jay efa nambarako tamin'ijany Aho, satria nagnafy ny hatogny areo sady nandà tsy hiteno jakako."
Chapter 20

1Pasora janak'Imera mpisorogna __manamboninahitra miparitaka ijy__dia naharegny an'i Jeremia naminagny ny jaka talohan'ny tragnon'i Yaveh. 2Ka nivilejin'i Pasora i Jeremia mpaminagny ary laha avy teo die nabelany tamin'ny hajo fagnagadrana jay tamin'ny vavahady Ambonin'i Benjamina tamin'ny tragnon'i Yaveh tao.3Ary navôkan'i Pasora tamin'ny hajo fagnagadrana tao i Jeremia ny andro magnarake. Dia hoy Jeremia taminajy: "Tsy nangaika negnaranao hoe Pasora i Yaveh, fa Magora-misabiba anao. 4Fa jao no lajain'i Yaveh: 'Ito, hatako raha mampatahotra anao, dia anao sy ny olo-tienao abiaby, fa ho lavon'ny mesa'ny fahavalony areo ary hahita anijany ny masonao. Hatolotro an-tagnan'ny mpanjakan'i Babylona eo ny Joda abiaby. Higadrainy a Babylona areo na hitafihiny amin'ny mesa.5Hameko anajy ny haren'itoy tanàna abiaby toy sy fanagnany abiaby, ny raha sarobidin'jany abiaby sy haren'ny mpanjakan'ny Joda abiaby. Habelako an-tagnan'ny fahavalonao egny io raha io, ka ho ajon-dreo ajne. Hangala an'io areo ka hitondra an'io a Banylona. 6Nefa anao, ry Pasora, sy ny mitoboka an-dragnoanao abiaby ao die lasa higadra. Handeha a Babylona anao ka ho faty agne. Anao sy ny raha fitaka dia halevigna agne."'7"Namitaka anahy Anao, ry Yaveh, ary vôfitaka aho. Matanjaka noho aho Anao, ary mandresy anahy Anao. Lasa fihihejana mandritry ny tontolo andro aho, magneso anahy ny olon-drehetra. 8Fa saky ny nijaka aho, dia nangaika mahare aho sady nagnambara hoe: 'Herisetra sy fandravana'. Ary lasa latsa sy fagnesôna hônahy isan'andro ny jakan'i Yaveh. 9Laha mijaka aho hoe: "Tsy hieritreritra momba an'i Yaveh koa aho. Tsy hijaka amin'ny agnarany koa aho.' Ary hôtran'ny afo am-poko ao jane, vôtagna agnatin'ny tôlako. Ka mitologna ba hitagna anijany aho fany tsy nahaviita.10Naharegne ny tsahon'ny mpampihorohoro hatamin'ny olo abiaby magnodidigna aho. 'Tatero! Tsy mentsy tanterahin-tsena jane!' Ijay marivo anahy dia mitsinjo ba hijaha laha lavo aho.' Mety ho ajo fitahina ijy. Laha jane, dia afaka mandresy anajy atsena ary hanao ny valifatin-tsena aminaje.' 11Fa momba anahy hôtran'ny mpiady maheri Yaveh, ka hivembegna ny olo jay magnenjika anahy. Tsy handresy anahy areo. Ho afa-baraka tanteraka tokôtra areo, satria tsy hahomby. Ho megnatra tsy hanam-pefarana areo, tsy hoadigno mandrakijay jane.12Nefa anao, ry Yaveh Tompon'ny rehetra, Anao jay mandinika ny fahamarinana sy jay mahita ny saigna sy ny fo. Avilay aho hahita ny valifatinao amin-dreo satri efa naharegny ny trangako taminao aho. 13Mihirà hon'i Yaveh! Miderà an'i Yaveh! Fefa namonjy ny ai'gny jay nampahorena tan-tagnan'ny mpagnano ratsy Ijy.14ôka hihojognina ny andro nahaterahako. Ôka tsy ho tahina ny andro jay nitondran'ny endriko anahy. 15Ôka hihojognina ny lelahy jay nampahafantatra an'ny iabako, jay nijaka hoe: 'Misy jaja lelahy nateraka hônao,' hiteraka fifalena lehibe.16Ôka jay lelahy jayho hôtran'ny tanàna jay niravain'i Yaveh ka tsy nanagnany hantra. Ôka ijy haharegne ny antso vonjy amin'ny mangiran-dratsy, sy ny tomagnin'ny ady amin'etoandro, 17satria tsy namono anahy tan-kibo ijy, nambôtra an'ny endriko ho fasako, dia kibo jay nipitrahan-jaja mandrakijay. 18Nahôna jany no nivôka tan-kibo aho ba hijaha fahorena sy alahelo, ba ho feno hegnatra ny androko?"
Chapter 21

1Ny jaka jay avy tamin'ny Jeremia hatamin'i Yaveh laha nandefa an'i Pasora janaka lahin'i Makia sy i Zefania janaka lahin'i Mahasela mpisorogna taminajy tagny i Zedekia mpanjaka. Dia hoy areo taminaje: 2"Mangataha hevitra amin'i Yaveh hônay, fa manangagna ady aminay i Neboknazara mpanjakan'i Babylona. Hambôtra ny fahagagana hônay ngaha Yaveh, hôtran'ny tamin'ny andro taloha, ka hampenga anajy aminay."3Ka hoy Jeremia tamin-dreo: "Jao no tsy mentsy lajainareo an'i Zedekia, 4'Yaveh, Adremanitr'Israely, mija anijao: "Ito, hampiverigna ny fitôvam-pediena jay an-tagnanareo eo aho, niaraka amijay nedienareo hanohitra ny mpanjakan'i Babylona sy ny Kaldeana jay nagnantogna anreo hativelan'ny mandà! Fa hamory an-dreo hôgnivon'ny tanàna toy eo. 5Dia Aho tegnako no hiady aminao miaraka amin'ny tagnana mahitsy sy sandry mahere, sady miaraka ami'ny fahasorenana sy havignirana angeja be.6Dia hanafika ny mponign'itoy tanàna toy Aho, na olo na biby. Ho maty amin'ny areti-mandringagna mahare areo. 7Afaran'jay__jao no fagnambaran'i Yaveh__Zedekia mpanjakan'i Joda, ny mpanompone, ny vahôke, sy jay miegnina eto amin'itoy tanàna toy afaran'ny areti-mandringagna, ny mesa, ary ny mosare, dia hameko hôtangnan'i Nebokadnezara mpanjakan'i Babylona eo ijy abiaby, sy an-tagnan'ny fahavalone eo, ary an-tagnan'ijay mifofo ny ain-dreo eo. Dia hamono an-dreo amin'ny lela-mesa ijy. Tsy hiantra an-dreo ijy, tsy hamindra fo an-dreo, na hanagna fangoraham-po.'8Ary ôka hilajainao amin'io vahôkako io hoe: 'Jao no lajain'i Yaveh: "Ito, hapetrako alohanareo ny lalan'ny fiagnana sy lalan'ny fahafatesana. 9Jay mivela amin'ito tanàna toy dia ho fatin'ny mesa, mosary ary ny areti-mandringagna; efa jay mivôka ka lavo amin'ny lohaligny eo alohan'ny Kaldeana jay nanao fahirano anao dia ho velogna. Hilefa hiaraka amin'ny aigny ijy. 10Fefa nanandra ny tavako hanohitra an'itoy firenena toy aho ba hitondra loja fa tsy hitondra soa__jany no fagnambaran'i Yaveh. Efa natolotro an-tagnan'ny mpanjakan'i Babylona eo sady hirôny jane.'11Tenoy ny jakan'i Yaveh mahakasika ny taranakin'ny mpanjakan'ny Joda. 12Ô taranak'i Davida, hoy i Yaveh: "Tanterahy ny rariny amin'ny maraigna. Vonjeo an-tagnan'ny mpampahory egny ny vôroba, fa saba hivôka hôtran'ny afo ny havignirako ka hagnoro, ary tsy hisy na rika aja ka afaka hamono anijane, noho ny asa ratsinao.13Ito, ry mponin'ny lohasaha! Manohitra anao Aho, ry vaton'ny lemaka__jao no fagnambaran'i Yaveh__Aho dia manohitra jay abiaby manao hoe: "Ija no hidigna hanafika anay?" na hoe: "Ija no hiditra an-dragnonay ao, 14Nanendry ny vokatrin'ny asanao ho avy hanohitra anao AHo__jany no fagnambaran'i Yaveh__sady handrehitra afo ny amin'ny kirihitr'ala aho, handevogna ny abiaby jay magnodidigna anajy jane."
Chapter 22

1Jao no lajain'i Yaveh: "Mdigna an-dragnon'ny mpanjakan'i Joda agny ary ambarao agny jao jaka jao. 2Lajay hoe: 'Ry mpanjakan'i Joda, tenoy ny jakan'i Yaveh__anao jay mitoetra amin'ny seja fiendrianan'i Davida eo__anao, sy ny mpanomponao, ary ny vahôkanao jay madalo amin'ny vavahadinao eo. 3Jao no lajain'i Yaveh: "Manôva ny rariny sy fahamarinana, ary jay vôroba__vonjeo an-tagnan'ny mpampahory egny ijy. Aja manao fomba ratsy amin'ny vahiny, na kamboty, na mpitondra-tegna amin'ny taninao eo. Aja manao herisetra na mandatsa-dràn'ny tsy manan-tsigny amitoy toerana itoy4Fa laha manao an'io raha io tokôtra anao, dia hiditra amin'ny vavahadin'itoy tragno toy hideba kalesa sy sôvaly ny mpanjaka mitoboka amin'ny seja fendrianan'i Davida eo, ijy, ny mponigne, ary ny vahôkane! 5Fa laha tsy miteno io jaka hataminahy jay efa nambarako io anao__jany no fagnambaran'i Yaveh__dia ho lasa faharavana itoy tragnon'ny mpanjaka itoy."'6Fa jao no lajain'i Yaveh mahakasika ny tragnon'ny mpanjakan'i Joda: 'Anao dia hôtran'i Gileada, na hôtran'ny tendron'i Libanona aminahe. Na ijany aja havadiko tan-tentefitra anano, ho tanàna tsisy mponigna. 7Fefa nanendry ny mpandrava ho avy hanohitra anao Aho! Hanapaka ny sederanao tsara indrindra ny lelahy miaraka amin'ny fitôvam-pedieny ary hamela an-dreo ho lavo agnaty afo.8Ary firenena rahabe no handalo amin'itoy tanàna toy. Hifampilaja amin'ny marivo ny tsirairay eo hoe: 'Nahôna no nanao anijao tamin'itoy tanàna angeja be toy Yaveh?" 9Ary hamaly ny hafa hoe: "Satria nahafoy ny fagneken'i Yaveh Andremaniny areo, ary nenkohoka tamin'ny andremanitra hafa sy nanompo anajy io."10Aja mitomagny jay maty, na misaogna hônajy; fa mitomagnia hôn'ijay handeha lavitra, satria tsy hipody koa ijy sady tsy hahita ny tanindrajagny koa.'11Fa jao no lajain'i Yaveh momban'i Jehoaza janaka lahin'i Josia mpanjakan'i Joda, jay nanompo hôtran'ny mpanjaka laha ho tokony ho i Josia iabane: 'Niala teto amin'itoy toerana toy ijy sady tsy hipody. 12Ho faty amin'ny toerana jay nanôvan-dreo sesitany anajy agny ijy, ary tsy hahita an'itoy tany toy koa.'13Loja hôn'ijay manangagna ny tragnony amin'ny tsy fahamarinana, ny efitragnony ambony amin'ny tsy rarine, jay mampiasa maigna ny mpiara-belogna aminajy, ary tsy magnome ny karamane; 14hoy ijy hoe: 'Hanangagnatragno angeja be sy efitra ambony malalaka hônahy aho.' Ka manàpaha hôke angeja be hômijay, ary naseny valin-drihagna sedera jane, sady nilokoiny mena.'15Mahalasanao ho mpanjaka tsara ve ny fagnirienao hanagna takelaka sedera? Sa ve tsy nihinagna sy ninogna koa iabanao, fa nanao ny rariny sy fahamarinana koja? Ary nandeha tsara ny java-drehetra hônaje. 16Nagnome rariny ny ory sy fadiragnovana ijy. Ary dia tsara jany. Sa ve jany tsy midika ny fahafantarana Anahy?__jany no fagnambaran'i Yaveh.17Fa tsisy na ino na ino ankôtran'ny tahotra amin'ny masonao sy foanao eo noho ny amin'ny tombony tsy ara-drariny sy ny amin'ny fandatsahan-dràn'ny tsy manan-tsigny, ny fampahorena sy fanorotorôna ny sasagne. 18Noho jany dia hoy i Yaveh mahakasika an'i Joikima janaka lahin'i Josia, mpanjakan'i Joda: Tsy hitomagny hônajy areo ka hanao hoe: 'loja, ry rahalahiko!' na 'loja , ry rahavaviko!' tsy hitomagny hônajy areo ka hanao hoe: 'loja, a tompo!' na 'loja, a be voninahitra!' 19Halevigna hôtran'ny fandivegnam-boriky ijy, hiro-drotinasady hatsipy ivelan'ny vavahadin'ny Jerosalema agny ijy.20Mekara an-tendrombohitr'i Libanona agny ka mangiha mahare. Asandrato a Basana ny feonao. Mangiha mahare hatamin'ny tendrombohitr'i Abarima egne, fa ho ringagna nekamanao abiaby. 21Nivoria taminao Aho tamin'ny bola natory ampilaminana anao, nefa hoy anao hoe: 'Tsy hiteno aho.' jay no fombanao hatamin'ny hatanoranao satria tsy niteno ny feoko anao.22Hiambigna ny mpiambigna ny ondrinao abiaby ny rivotre, ary nekamanao dia higadraiko. Ary dia hi megnatra sy hangahiahy tokôtra anao nohon'ny asa ratsinao abiaby. 23Anao jay monigna a 'Libanona,' jay manangagna ankany amin'ny sedera, ee ny hamindrana fo aminao laha avy aminao ny fanaintaignan'ny asa, fanaintaignana jay hôtran'eny viavy miterake!"24"Laha velogna koa Aho__jao no fagnambaran'i Yaveh__na dia ampety tombokasen'ny tagnako ankavanana aja anao a Jekonia, janaka lahin'i Joiakima, mpanjakan'i Joda, dia hiviraviraiko anao. 25Fefa nameko hôn-tagnanareo eo jay mifofo ny aignao anao ary hôn-taagnan'ijay atahoranao, na hôn-tagnan'i Nebokadnezara mpanjakan'i Babylona sy ny Kaldeana koa aja. 26Hagnary anao sy endrinao niteraka anao amin'ny tany hafa agny Aho, tanàna jay tsy naterahanao, sady ao anao no ho fate.27Laha ny momba an'itoy tany jay hirien-dreo hiviregnana toy, dia tsy hipody atoy areo. 28Sa ve tsy fitôvana nitsonitsoniavina sy nitorotoroina jane? Sa ve tsy vilagny jay tsy nahafaly an'ija na ija jany lelahy Jekonia jane? Nahôna ijy sy taranagny no narien-dreo, ka natsipiny tamin'ny tany jay tsy fan-dreo agne?29Ry tane, ry tane, r tane! Tenoy ny jakan'i Yaveh! 30Jao no lajain'i Yaveh: 'Manorata mahakasika an'itoy lelahy Jekonia itoy: tsy hanan-taranaka ijy. Tsy hambinina mandritra ny andom-piagnany ijy, ary tsy hisy na raika amin'ny taranagny hahita fahombiajana na hitoboka amin'ny seja fiandrianan'i Davida eo indraika ka hanapaka an'i Joda."'
Chapter 23

1"Loja hôn'ny mpizmbignz ondry jay mamotika sy magnaparitaka ny ondrin'ny ahitra metsoko__jany no fagnambaran'i Yaveh." 2Noho jany Yaveh, ny Andremanitr'Israely, dia milaja anijao mahakasika an'ny mpiambigna ondry jay mpiambigna ny olone: "Naparitakareo ny ondriko sady niroahinareo. Tsy niraharaha an-dreo anareo. Ka hanajy anareo Aho nohon'ny ratsy jay natanareo__jany no fagnambaran'i Yaveh.3Aho tegnako no hamory ny sisa amin'ny ondriko hatamin'ny tany abiaby jay nandroahako an-dreo, ary hamerigna an-dreo amin'ny toerana misy ahitra, jay hamokaran-dreo sy hitombôn-dreo Aho. 4Aviteo Aho hanangagna mpiambigna ondry amin-dreo jay handigny an-dreo ba tsy hatahotra na torotoro koa areo. Tsy hisy ho very areo__jany no fagnambaran'i Yaveh.5Ito, ho avy ny andro__jao fagnambaran'i Yaveh--laha hanangagna rantsagna marina hôn'i Davida Aho. Hanjaka hôtran'ny mpanjaka ijy; hiasa am-pahendrena ijy sady hampisy rariny sy ny fahamarinana amin'ny tany eo. 6Amin'ny androny dia ho vôvonjy i Joda, ary Israely dia hiaigna am-pilaminana. Dia jao no agnarana hangihana anaje: Yaveh no fahamarinantsena.7Noho jany andro, ho avy ny andro__jao no fagnambaran'i Yaveh__laha tsy hijaka koa areo hoe: 'Laha bola velogna koa Yaveh, jay nitondra ny vahôkan'Israely hivôka ny tany Egypta.' 8Fa hilaja koja areo hoe: 'Laha bola velogna koa Yaveh, jay nitondra sy nitarika ny taranak'Israely hatamin'ny tany avaratra sy ny tany abiaby jay nandroahana an-dreo.' Avy teo dia hiaigna amin'ny tanin-dreo agny hiany areo.9Laha ny momban'ny mpaminagny, dia maratra ny foko, ary mangorohoro ny tôlako abiaby. Lasa hôtran'ny olo mamo aho, hôtran'ny olo jay resin'ny divaine, noho Yaveh sy ny jakany masina. 10Fa ny tany dia feno mpijangajanga. Nohony tanin'ahitra an-tetefitra agne. Ratsy ny lalan'ny mpaminagny io; tsy miasa amin'ny tokony ho ijy ny fahefan-dreo.11"Fa ny mpaminagny sy ny mpisorogna dia samy maloto. Efa nahita ny faharatsien-dreo tan-dragnoko tao mihintsy Aho! __jany no fagnambaran'i Yaveh__ 12noho jany dia ho hôtran'ny toerana malama agnaty hejigna ny lalan-dreo. Hatosika hidigna areo. Holavo amijany eo areo. Fa handefa loja amin-dreo amin'ny taognan'ny fagnasajena amin-dreo Aho__jany no fagnambaran'i Yaveh.13Fefa hitako nanao jay mamparikoriko ny mpaminagny ta-Samaria: naminagny tamin'i Bala areo sady nitarika ny vahôkako Israely amin'ny lalan-diso. 14Nahita raha mahakamo tamin'ny mpaminagny ta-Jerosalema teo Aho: Nijangajanga areo ary nandeha tamin'ny fitake. Nagnamafy ny tagnan'ny mpagnano ratsy areo; tsisy niala tamin'ny ratsy fatane. Lasa hôtran'i Sodoma aby ijy abiaby aminahy ary ny mponigny die hôtran'i Gomora!" 15Noho jany Yaveh tompon'i rehetra dia milaja anijao mahakasika ny mpaminagny: "Ito, hampihinagna raha mahafaty sy hampinogna rano misy poijina an-dreo Aho, satria ny fahalotôna dia nivôka tamin'ny mpaminagnin'i Jerosalema nandeha amin'ny tany abiaby."16Yaveh tompon'ny rehetra dia milaja anijao: "Aja miteno ny jakan'ny mpaminagny jay maminagny aminareo. Efa namitaka anareo areo! Areo dia magnambara fahitana hatan-sain-dreo manokagna hiany, fa tsy hatamin'ny vavan'i Yaveh. 17Milaja fehijay amin'iajy magnala baraka Anahy areo hoe: 'Yaveh dia magnambara fa hisy fedanana hônareo.' Fa ny olo abiaby jay mandeha amin'ny ditran'ny fony dia manao hoe: 'Tsy hoavy aminareo ny loja.' 18Nefa ija no nitsangagna tamin'ny fivorien'ny Synedrionan'i Yaveh teo? Ija no mahita sy maharegny ny jakane? Ija no nanongilan-sofigna tamin'ny jakany sady niteno?19Ito, misy rivo-doja ho avy hatamin'i Yaveh! Mivôka ny havignirane, ary misy tafio-drivotra hitsioke. Mitsioka magnodidigna nyy lohan'ny ratsy fagnahy jane. 20Tsy hipody ny havigniran'Andremanitra mandra-pahatanterahany sy mandra-pitondrany ny fikasan'ny fone. Amin'ny andro farane, dia hoajonareo jane.21Tsy nandefa ny mpaminagny io Aho. Nipositra fotsiny areo. Tsy nagnambara na ino na ino tamin-dreo Aho, nefa bola naminagny hiany areo. 22Fa laha nitsangagna tamin'ny fivorien'ny Synedrionako teo areo, dia mahalasa ny oloko haharegne ny jakako areo; nampivily an-dreo tamin'ny jaka ratsiny sy fanôvan-dreo kolikoly.23Sa Andremanitra marivo eo fotsiny mandy ve Aho__fa tsy Andremanitra alavitra mandy koa? 24Misy olo afaka mivony agny amin'ny toerana mangigna ve ka tsy hitako?__jany no fagnambaran'i Yaveh__sady tsy mameno ny lagnitra sy ny tany ve Aho?__jany no fagnambaran'i Yaveh.25Efa regniko ny vôlajan'ny mpaminagny, jay naminagny fitaka tamin'ny agnarako. Hoy areo hoe: 'Nagnonofy aho! Nagnonofy aho!' 26Hanomboka amivena no hitohijan'ijany a mpaminagny jay maminagny vande hatan-sain-dreo, sy maminagny amin'ny fitaka avy am-pon-dreo? 27Areo dia mitetika ny hagnadinôn'ny oloko negnarako amin'ny nofy jay tantera-dreo tsirairay aby amin'ny mpiara-monigna aminaje, hôtran'ny nagnadinôn'ny agnaran'i Bala.28Ny mpaminagny jay managna nofe, ôka ijy hivoria ny nofine. Fa jay nagnambarako raha, ôka ijy hagnambara ny jakako am-pahamarinana. Fa ino no idiran'ny mololo amin'ny vare?__jany no fagnambaran'i Yaveh__ 29Sa tsy hôtran'ny afo ve ny jakako?__jany no fagnambaran'i Yaveh__ary hôtran'ny tanana jay manorotoro vato ho potipotike? 30Kito, manohitra an'ny mpaminagny Aho__jany no fagnambaran'i Yaveh--jay rehetra mangalatra jaka amin'ny olo hafa sady milaja fa hataminahy io.31Ito, manohitra an'ny mpaminagny Aho__jany no fagnambaran'i Yaveh__jay mampiasa ny lelan-dreo ba haminaniegna fagnambarana. 32Ito, manohitra an'ny mpaminagny jay magnonofy am-pitaka Aho__jany no fagnambaran'i Yaveh--sady ary aviteo magnambara an'io sady am'jany fomba jany dia mamitaka ny oloko amin'ny lalan'gny fitaka sy fihebohebôn-dreo. Manohitra an-dreo Aho, satria tsy nagniraka na nagnome beko an-dreo Aho. Noho jany dia ajo antoka fa tsy hitahy an'itoy vahôka toy areo__jany no fagnambaran'i Yaveh.33Laha magnotany anao io olo io, na ny mpaminagny, na ny mpisorogna hoe: 'Ino no enta-mavesatr'i Yaveh?' dia hilaja amin-dreo anao hoe: 'Anareo no eta-mavesatre, ary handrôka anareo Aho'__jany no fagnambaran'i Yaveh. 34Laha ny amin'ny mpaminagny, mpisorogna, sy olo jay mijaka hoe: 'Itoy ny vesatr'i Yaveh' dia hanajy anijay olo jany sy ankohonany Aho.35Tsy miegnina milaja anareo, ny olo tsirairay amin'ny mpiara-belogna aminajy ary ny olo tsirairay amin'ny rahalahiny hoe: 'Ino no navalin'i Yaveh, sy hoe: 'Ino no nambaran'i Yaveh?' 36Kanefa tsy tokony hivoria momban'ny 'vesatr'i Yaveh' koa anareo, satria ny veratra dia ny jakan'ny olo tsirairay manokagna, ary anareo dia nametaveta ny jakan'Andremanitra velogna, i Yaveh tompon'ny rehetra, Andremanitsena.37Jao no hilajainareo amin'ny mpaminagny hoe: 'Ino no valin-teny namen'i Yaveh anareo? na hoe: Ino no nilajain'i Yaveh'? 38Fa laha mijaka anareo hoe: 'Ny vesatr'i Yaveh,' dia jao no ambaran'i Yaveh: 'Satria nijaka ny jaka io anareo hoe: 'Vesatr'i Yaveh,' laha nagniraka anareo Aho, nijaka hoe: 'Aja mijaka hoe: "Vesatr'i Yaveh,"' 39noho jany, dia ito, hangala anareo Aho sady hanipy anareo alavitra Anahe, miaraka amin'ny tanàna jay nameko anareo sy ny rajambenareo. 40Avy teo dia hamela hegnatraa sy fagniratsirana aminareo mandrakijay jay tsy hadinoina Aho.'"
Chapter 24

1Naneho raha taminahy i Yaveh. Ito, aviavy roy tanty no nabela tagnatrehan'ny tempolin'i Yaveh. (Io fa hitana io dia niseho tafan'ny nanôvan'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona sesitany tan-Joakina janaka lahin'i Joakima, mpanjakan'i Joda, ny manampahefan'i Joda, ny mpagnano asa tagnana ary ny mpanefy vy hata-Jerosalema ary nitondrany an-dreo ta-Jerosalema tao sady nitondra an-dreo ta-Babylona.) 2Ny tanty raika dia nisy aviavy masake, fa ny tanty raika koja dia nisy aviavy tena ratsy ka tsy afaka hoanina . 3Hoy i Yaveh taminahe: "Ino hitanao, ry Jeremia?" Hoy aho hoe: "Aviavy. Aviavy jay tena tsra tokôtra ary aviavy jay tena ratsy tokôtra sady tsy ajo hanina."4Ary avy taminahy ny jakan'i Yaveh, magnano hoe: 5"Yaveh, Andremanitr'Israely, nilaja anijao: Hitsinjo ny sesitanin'i Joda hôn'ny tombotsoan-dreo Aho, hôtran'ny aviavy tsara io, ny natao sesitany jay teto amin'itoy tany toy handeha amin'ny tany Kaldeana. 6Hitsofiko rano areo ary haveriko amin'io tany io indraika. Hatsangako indraika areo, fa tsy hisimbaiko. Hamboleko areo, ary tsy hifongoriko. 7Ary hameko fo ba hafantatra Anahe, fa Aho hôn'Dremanine, ka hitodika Aminahy amin'ny fony manontolo areo.8Fa hôtran'ny avaivay jay ratsy tokôtra laha hoanina__dia jao no lajain'i Yaveh--hôtran'ny jany fomba jany no hanôvako an'i Zedekia, mpanjakan'i Joda, miaraka amin'ny manam-pahefane, ary ny Jerosalema sisa jay mivela amin'itoy tany toy na mandeha ba hipetraka amin'ny tany Egypta agne. 9Havadiko ho raha mampatahotra areo, ho loja, amason'ny fanjakan'ny tany abiaby eo, fahafaham-baraka sy ambetin-jakan'ohabolagna, fijakan-dratsy, ary ojogna amin'ny toerana abiaby jay hitondrako an-dreo. 10Handefa mesa, mosare, ary areti-mandringagna amin-dreo Aho, mandra-paharava an-dreo amin'itoy tany toy jay nameko an-dreo sy rajambeny itoy."
Chapter 25

1Jao no jaka avy tamin'ny Jeremia mahakasika ny olon'i JOda abiaby. Avy jany amin'ny taogna fahefatra nanjakan'i Joiakima janak'i Josia, mpanjakan'i Joda. Taogna vôlohany nanjakan'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona jane. 2Jeremia mpaminagny nagnambara anijao tamin'ny olo abiaby ta-Joda sy mponin'gni Jerosalema abiaby.3Hoy ijy hoe: "Nandritra ny telo amby rôpolo taogna, tamin'ny fahatelo ambinin'ny folo taogna nanjakan'i Josia janak'i Amona, mpanjakan'i Joda ka hatramijao, dia avy aminahy ny jakan'i Yaveh ary efa nilajaiko anareo fehijay fehijay, fa tsy niteno anareo. 4Nandefa ny mpaminagny mpanompony abiaby hôminareo fehijay fehijay i Yaveh, fa tsy niteno anajy anareo na niraharaha.5Ny mpaminagny nijaka hoe: 'Ôka ny olo tsirairsy hiala amin'ny fomba ratsiny sy kolikoly fatany ary hipody ami'ny tany jay namen'i Yaveh ny rajambenareo tamin'ny andro taloha agny sy hônareo, ho fagnomejana maharitra. 6Ka aja magnaraka amin'ny andremani-kafa ba hanompo na henkohoka amin-dreo, ary aja mangaika Anajy amin'ny asan'ny tagnanareo ba tsy hagnasevany ratsy anareo.'7Kanefa tsy nitenônareo Aho__jao no fagnambaran'i Yaveh__ka efa nangaika Anahy anareo amin'ny asan'ny tagnanareo ba hagnisy ratsy anareo. 8Ka Yaveh Tompon'i rehetra nilaja anijao: 'Satri tsy niteno an'io jakako io anareo, 9ito, handefa didy hamory ny olo abiaby hata-varatra Aho__jany no fagnambaran'i Yaveh__miaraka amin'i Nebokdnezara mpanompoko, mpanjakan'i Babylona, ary hitondra an-dreo hanohitra jao tany jao sy ny mpanompony Aho, ary hanohitra ny firenena abiaby magnodidigna anareo. Fa hatokako areo amin'ny fandringanana. Havadiko ho horohoro, sy raha mampifiopioke, ary faharavana tsisy fataperana areo.10Habelako ny feon'ny fifalena ary ny feon'ny firavoravôna, ny feon'ny mpampiakatra ary ny feon'ny ampekarina, ny feon'ny vato famiham-bary ary ny fahajavan'ny jiro. 11Dia ho lasa haravana sy horohoro toy tany abiaby toy, ary io firenena io hanompo ny mpanjakan'i Babylona mandritran'ny fitopolo taogna.12Ary laha feno ny fitopolo taogna, dia hisajiko ny mpanjakan'i Babylona sy jany firenena jane, dia ny tanin'ny Kaldeana__jany no fagnambaran'i Yaveh__noho ny holo-dreo ary hatako ho faharavana tsisy fahataperana jane. 13Ka ho tantirahiko amin'ijany tany jany ny jaka abiaby jay efa nilajaiko, ary ny raha abiaby vôsoratra amin'itoy boky jay nivinanien'i Jeremia hagnorenana io firenena abiaby toy. 14Fa hamôka ny andevo ao amin'io firenena io koa ny firenena hafa rahabe. Hivaleko jay antony sy jay asan'ny tagnany aby areo.15Fa Yaveh, Andremanitr'Israely, nilaja anijay taminahy manao hoe: "Reso an-tagnako etoy toy kapôkan-divain'ny havignirana toy ary ôka ny firenena abiaby jay agnirahako anao hinogna anijane. 16Fa hinogna areo sy ho tafantohigna noho jay ary hivembegna hôtran'ny adala alohan'ny mesa jay alefako amin-dreo eo17Ka dia niresiko hatan-tagnan'i Yaveh ny kapôka, ary nampinomiko anijany ny firenena abiaby jay nalefan'i Yaveh anahe: 18dia i Jerosalema, ny tanàn-dehiban'i Joda sy mpanjakany ary ny manam-pahefana__ba hamadika an-dreo ho faharavana sy raha mampatahotra, sy raha mampifiopioka sy fagnojognana, hôtran-dreo amijao anndro jao19Tsy mentsy ninogna anijany koa Ny firenen-kafa: Farao mpanjakan'i Egypta sy ny mpanompone; ny manam-pahefany sy vahôkane; 20ny olo abiaby samy hafa feviena sy ny mpanjaka abiaby hatamin'ny tanin'i Oza; ny mpanjaka hatamin'ny tani'ny Filistia baiaby__Askelona, Gaza, Ekron, ary ny sisa ta-Asdoda; 21Edoma sy Moaba ary ny vahôkan'i Amona.22Ny mpanjakan'i Tyro sy Sidona, ny mpanjakan'ny moron-tsiraka ampitan'ny ranomasina egne, 23Dedana, Tema, ary Boza miaraka amin'ny olo abiaby jay nanapaka ny sisin'ny volondohan-dreo, tsy mentsy hinogna anijany hiany koa areo.24Ito olo ito dia tsy mentsy hinogna anijay mandy koa: ny mpanjakan'i Arabia abiaby ary ny mpanjakan'ny vahôka samy hafa feviena abiaby jay monigna agny agn'efitra; 25ny mpanjakan'i Zimry abiaby, ny mpanjakan'i Elama abiaby, ary ny mpanjakan'i Media abiaby; 26ny mpanjakan'ny avaratra abiaby, na ny na ny marivo na ny lavitre__ny olo tsirairay miaraka amin'ny abiaby amin'ijao tontolo jao jay ambonin'ny tany eo. Tafaran'ijy abiaby io dia ny mpanjakan'i Babylona no hinogna farane.27Nilaja taminahy Yaveh hoe: "Amijao die tsy mentsy hilaja amin-dreo anao hoe: 'Yaaveh Tompon'ny rehetra, Andremanitr'Israely, nilaja anijao: minoma sady mimamoa, ary mandoava, milavoa, ary aja mitsangagna alohan'ny mesa jay nalefako aminareo eo.' 28Ary laha mandà tsy handray ny kapôka hinomina an-tagnanao egny areo, dia lajao areo hoe: 'nilaja anijao Yaveh Tompon'ny rehetra hoe: tsy mentsy minogna anijany marina anareo. 29Fa ito, hitondra loja amin'ny tanàna jay nangihana tamin'ny agnarako Aho, dia tokony ho afaka amin'ny famejana ve anareo? Tsy ho afaka anareo, satria hangaika ny mesa hanohitra ny mponigna abiaby amin'ny tany Aho!__jany no fagnambaran'i Yaveh Tompon'ny rehetra.'30Tsy mentsy maminagny ny jaka abiaby amin-dreo anao, ary lajao amin-dreo hoe: 'Hierogna hatamin'ny ambony i Yaveh ary hanandratra ny feony hatamin'ny fitoerany masina egne, ary hierogna mahare amin'ny fiforetany Ijy; ary hihieka Ijy, hôtran'ijay magnitsakitsaka ny vôloboka manohitra ny abiaby jay miaigna eto an-tane. 31Ny feon'ady hanakoako hatam-paran'ny tane, fa Yaveh mitondra fempangana amin'ny firenena, ary mitondra fitsarana amin'ny no abiaby eo Ijy. Hanolotra ny ratsy fagnahy amin'ny mesa eo Ijy__jany no fagnambaran'i Yaveh.'32Yaveh Tompon'ny rehetra nilaja hoe: 'Ito, hivôka hitety firenena ny loja, ary miala hatamin'ny faritra lavitra indrindra amin'ny tany ny tafio-drivotra mahere. 33Ary jay nivonin'i Yaveh amin'ijany andro jany dia hitatra hatamin'ny fefaran'ny tany raka ka hatamin'ny tany hafa; tsy hisôgna areo, na hangoigna, na halevigna. Ho hôtran'ny jejika ambonin'ny tany eo areo.34Midradradradrà, ry mpiambign,a ondy, ary mentos vonjy! Mihodikodigna amin'ny vovoka eo, anareo a mpitarika ny ondry, fa efa avy ny andro famonôna anareo; hiparitaka hôtran'ny vilagny manify anareo laha lavo. 35Tsisy felofana hôn'ny mpiambigna ondry, tsy ho afa-milefa ny mpitarika ondry. 36Tenoy ny tomagnin'ny mpiambigna ondry sy fidradradradran'ny mpitarik'ondry, fa simbain'i Yaveh ny ahi-dreo.37Ka ho ravarava ny ahitra noho fasehan'i Yaveh. 38Hôtran'ny liogna tanora, nandao ny tragnony ijy, satri ny tanin-dreo dia ho lasa horohoro noho ny havigniran'ny mpampahory, noho ny firihetan'ny havignirane."
Chapter 26

1Tamin'ny fendohan'ny fanjakan'i Joikima janaka lahin'i Josia, dia avy hatagny amin'i Yaveh jao jaka jao, nanao hoe: 2"Yaveh nijaka hoe: "Mitsangàna an-kianjan'ny tragnoko eo ary lajao amin'ny tanànan'i Joda abiaby jay avy hanao fanompôm-pivavahana an-dragnoko ao. Ambarao ny jaka abiaby jay nandidieko anao hilajainao amin-dreo. Aja misy jaka angalana! 3Angaha ba hiteno areo, ka hiala amin'ny lalan-dratsiny ny olo tsirairay, ka hitagna ny loja jay efa nieritreretiko handao amin-dreo eo nohon'ny faharatsien'ny fomba fatan-dreo Aho.4Ka tsy mentsy milaja amin-dreo anao hoe: 'Jao no nambaran'i Yaveh: Laha tsy miteno anahy anareo ka tsy mandeha araka ny lalàko jay napetrako tagnatrehanareo teo__ 5laha tsy miteno ny jakan'ny mpaminagny mpanompoko anareo jay nikirijako nalefako taminareo anareo__fa tsy niteno anareo!__ 6dia hatako hôtran'i Silo itoy tragno toy; hatako ojogna amason'ny firenena eo abiaby eran'ny tany toy tanàna toy."'7Ny mpisorogna, ny mpaminagny, sy olo abiaby dia naharegny an'i Jeremia nagnambara jany jaka jany tan-dragnon'i Yaveh. 8Ary laha vantany nifaragna ny fagnambaran'i Jeremia ny jaka abiaby jay nandidien'i Yaveh anajy hilajainy tamin'ny olo abiaby, dia nanambotra an-dreo ny mpisorognana, ny mpaminagny, sy ny olo abiaby ka nanao hoe: "Tena ho maty anao! 9Nahôna anao no naminagny tamin'ny agnaran'i Yaveh sady nilaja fa itoy tragno toy die ho lasa hôtran'i Silo ary itoy tanàna toy dia ho lao, ary tsy hisy mponigna? Fa ny vahôka abiaby nivorovoro nanohitra an'i Jeremia tan-dragnon'i Yaveh tao.10Ary naharegny anijay jaka jany ny manam-pahefanan'i Joda ary niakatra hatan-dragnon'ny mpanjaka hôndragnon'i Yaveh. Nitoboka tam-bavahady vôvaon'ny tragnon'i Yaveh teo areo. 11Ny mpisorogna sy ny mpaminagny nivoria tamin'ny manam-pahefana sy ny olo abiaby. Hoy areo: "Rariny hôn'itoy lelahy toy ny ho fate, fa naminagny nanohitra an'itoy tanàna toy ijy, araka jay regninareo tamin'ny sofignareo!" 12Ka nivoria tamin'ny manam-pahefana abiaby sy vahôka abiaby i Jeremia ka nilaja hoe: "Yaveh no nandefa anahy haminagny hanohitra an'itoy tragno sy tanàna toy, ba hilaja ny jaka abiay jay efa regninareo.13Ka amijao, hatsarao ny lalanareo sy fatanareo, ary mitenoa ny feon'i Yaveh Andremanitrareo ba hanignenany ny mahakasika ny loja jay nambarany hanoherana anareo. 14Aho mihintsy no an-tagnanareo eo--jerevo aho! Atôvy aminahy jay tsara sy marina amasonareo eo. 15Fa tokony ho fantatrareo tokôtra fa laha mamono anahy anareo, dia hitondra rà marina hôn'ny tegnanareo sy hôn'itoy tanàna toy sy ny mponigna aminajy ao, fa Yaveh tokôtra nandefa anahy taminareo teo hagnambara an'io jaka abiaby io ho regnin'ny sofignareo.16Ary ny manampahefana sy ny olo abiaby nijaka tamin'ny mpisorogna sy ny mpaminagny hoe: "Tsy mendrika ny ho maty itoy lelahy toy satria nagnambara raha tamitsena tamin'egnaran'i Yaveh Andremanitsena Ijy." 17Ka dia nitsangagna ny loholon'ny tany ka nijaka tamin'ny fengonan'ny manontolo18Hoy areo hoe: "Mika Morastita dia naminagny tamin'ny andron'i Hezekia mpanjakan'i Joda. Nivoria tamin'ny vahôkan'i Joda abiaby ijy ka nanao hioe: 'Yaveh Tompon'ny rehetra nilaja anijao: hasaina hôtran'ny saha i Ziona, ho lasa korotam-bato i Jerosalema, ary ny tendrombohitrin'ny tempoly dia ho lasa haragna rakotra kirihitr'ala.' 19Namono anajy i Hezekia mpanjakan'i Joda sy ny Joda abiaby? Tsy natahotra an'i Yaveh ve ijy ka nampiegnina ny tavan'i Yaveh ba hamilan'i Yaveh ny loja jay efa nambarany an-dreo? Ka hanao java-dratsy angeja be amin'ny aintsena mandy ve atsena?"20Tagnilan'ijany hiany koa dia nisy lelahy hafa jay naminagny tamin'ny agnaran'i Yaveh--Oria janaka lahin'i Semaia avy amin'i Kiriata Jearima__ijy koa dia naminagny hanohitra an'itoy tanàna sy tany toy, nifagnaraka tamin'ny jakan'ny Jeremia abiaby. 21Fa laha regnin'i Joiakima mpanjaka sy miaramilany abiaby sy manam-pahefana ny jakane, dia niejaka ny hamono anajy ny mpanjaka, fany naharegny anijany i Oria ka natahotra, dia nilefa ary nandeha a Egypta agne.22Ary nandefa lelahy handeha a Egypta ny mpanjakan'i Joiakima--Elnatana janaka lahin'i Akbora sy lelahy handeha hoagny Egypta hagnaraka an'i Oria. 23Nalain-dreo hivôka hatao Egypta i Oria ary nandao tamin'i Joiakima mpanjaka ijy. Ary dia nivonin'i Joiakima tamin'ny mesany ijy ary nalefany tagny amin'ny fasan'gnolo tsotra fatine. 24Fa ny tagnan'i Ahikama janaka lahin'i Safana dia niaraka tamin'i Jeremia, ka tsy natolotra tam-pelatagnan'ny vahôka ba hivonina teo ijy.
Chapter 27

1Tamin'ny fendohan'ny fanjakan'i Zekedia janaka lahin'i Josia, mpanjakan'i Joda, dia avy tamin'i Jeremia itoy jka hatamin'i Yaveh toy. 2Jao no nilajain'i Yaveh taminahy hoe: "Magnamboara famihejana sy zoga hôn'ny teganao. Abilay amin'io hatokao io. 3Avy teo dia alifaso agny amin'ny mpanjakan'i Edoma, mpanjakan'i Moaba, mpanjakan'ny vahôkan'i Amona, mpanjakan'i Tyro, ary amin'ny mpanjakan'i Sidona io. Alifaso amin'ny alalan'ny tagnan'ny masoivohon'ny mpanjaka jay avy ta-Jerosalema handeha agny amin'i Zedekia mpanjakan'i Joda io. 4Omeo beko areo hôn'ny tempolin-dreo ary lajao hoe: "Yaveh tompon'ny rehetra, Andremanitr'Israely, dia nagnambara anijao: Jao no tsy mentsy ho lajainareo amin'ny tomponareo:5"Aho tegnako dia nanao ny tany tamin'ny alalan'ny heriko angeja be sy sandriko nitsangagna. Aho hiany koa no nanao y olo sy ny biby ambonin'ny tany eo, ary nameko an'jay marina tamasoko teo jane. 6Ka amijao, Aho tegnako dia hagnome ny tany abiaby io hôm-pelata-tagnan'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, mpanompoko. Omeko anajy koa ny raha manan'aigna an-saha egny ba hanompo abaje. 7Fa ny firenena abiay dia hanompo anaje, ny janagny lahy, ary ny jafikeliny mandra-peven'ny fotôgnan'ny tanine. Ary hisy firenena rahabe sy mpnjaka lehibe handresy anaje.8Noho jany ny firenena sy ny fanjakana jay tsy manompo an'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, ary tsy mametraka ny hatogny ambanin'ny zognan'ny mpanjakan'ny Babylona ao--dia hisajiko amin'ny mesa, mosare, ary areti-mandringagna jany firenena jane__jany no fagnambaran'i Yaveh__mandra-paharavako an-dreo amin'ny alalan'ny tagnane.9Ka aja miteno an'ny mpilaja ny ho avy, ny mpisikidinareo, ny mpahitanareo, ny mpijery ny ho avy, ary ny mpamosave, jay nivoria taminareo ary nilaja hoe: 'Aja manompo ny mpanjakan'i Babylona.' 10Fa areo dia maminagny vandy amuinareo ba handifasana anreo lavitra ny taninareo, fa hiroahiko anareo, sady ho faty anareo. 11Fa ny firenena jay mametraka ny hatogny ambanin'ny zogan'ny mpanjakan'i Babilona ao ka manompo anaje, dia havelako hiegnina eo amin'ny taniny jane__jany no fagnambaran'ny Yaveh--ary hamboly amin'ijany eo areo ary hamorogna ny tragnon-dreo amin'ijany eo.12Ka nivoria tamin'i Zedejia mpanjakan'i Joda Aho ary nagnome anajy anijao hafatra jao: "Apitraho ambain'ny zogan'ny mpanjakan'i Babylona ao ny vahôkany ary manompoa anajy sy ny vahôkane, ary ho velogna anareo. 13Nahôna anareo no ho fate__anao sy ny vahôkanao--amin'ny alalan'ny mesa, mosare, sy ny areti-mandringagna, hôtran'ny efa nambarako momban'ny firenena jay mandà ny hanompo ny mpanjakan'i Babylona?14Aja miteno ny jakan'ny mpaminagny jay mivoria aminareo ary milaja hoe: 'Aja manompo ny mpanjakan'i Babylona,' satria maminagny vandy aminareo areo. 15'Fa tsy nandefa an-dreo Aho __jany no fagnambaran'i Yaveh__fa areo dia maminagny fitaka amin'ny agnarako ba handroahako anareo ka ho faty anareo, anareo sy ny mpaminagny jay naminagny taminareo."'16Nambarako tamin'ny mpisorogna sy ny olo abiaby jany ary nanao hoe: "Jao no lajain'i Yaveh: Aja miteno y jakan'ny mpaminagninareo jay maminagny aminareo ary manao hoe: 'Ito! Ny raha tan-dragnon'i Yaveh tao dia nampody ta-Babylona amijao!' Maminagny vandy aminareo areo. 17Aja miteno an-dreo. Tokony hanompo ny mpanjakan'i Babylona anareo ary ho velogna. Nahôna no tokony ho rava itoy tanàna toy? 18Laha mpaminagny areo, ary laha avy tamin-dreo marina ny jakan'i Yaveh, dia ôka areo hitalaho amin'i Yaveh tompon'ny rehetra ba tsy handefa amin'i Babylona io raha jay mivela an-dragnoy ao, ny tragnon'ny mpanjakan'i Joda, sy Jerosalema.19Yaveh tompon'ny rehetra dia milaja anijao momban'ny andr, ny tavin-drano angeja be, sy ny fitoeran'ny tavin-drano, ary ny amin'ny raha jay mivela amin'io tanàna io__ 20io raha jay tsy niresin'i Nebokadnezara laha nilaja an'i Jekonia janaka lahin'i Joiakima, mpanjakan'i Joda, higadra hata-Jerosalema handeha a Babylona niaraka tamin'ny manan-kajan'i Joda sy Jerosalema.21Yaveh tompon'ny rehetra, Andremanitr'Isarely, dia milaja anijao momban'ny raha jay mivela amin'ny tragnon'i Yaveh ao, ny tragnon'i mpanjakan'i Joda, sy Jerosalema hoe: 22'Handao agny Babylona io, ary hipetraka agny mandra-peven'ny andro heveko hôn-dreo__jany no fagnambaran'i Yaveh__avy teo Aho hitondra an'io hiakatra ary hamerigna an'io agny amin'io toerana io.'"
Chapter 28

1Tamin'ijany taogna jane, tamin'ny fetombohan'ny fanjakan'i Zedekia mpanjakan'i Joda, tamin'ny fahefa-taogna sy fahadimin'ny volagna, Hanania janaka lahin'i Azora mpaminagny, jay hata-Gibeona,, dia nijaka taminahy tan-dragnon'i Yaveh tagnatrehan'ny mpaminagny sy ny vahôka abiaby. Hoy ijy hoe: 2"Yaveh Tompon'ny rehetra, Andremanitr'Israely, milaja anijao: Efa nivakiko ny zoga jay napetraky ny mpanjakan'i Babylona.3Agnatin'ny roy taogna diaa hapodiko amin'itoy toerana toy eto ny raha abiaby tan-dragnon'i Yaveh tao jay nalain'i Nebokadnezara mpanjakan'i Babylona tamin'itoy toerana toy teto ka nitôniny a Babylona. 4Ary dia handako mipody amin'itoy toerana toy i Jekonia janaka lahin'i Joiakima, mpanakan'i Joda, ary ny gadra abiaby jay nirahina nandeha a Babylona__jany no fagnambaran'i Yaveh__fa hamotika ny zogan'ny mpanjakan'i Babylona aho."5Ka nijaka tamin'i Hanania mpaminagny tagnatrehan'ny mpisorogna sy ny vahôka abiaby jay nijoro tan-dragnon'i Yaveh tao i Jeremia mpaminagny. 6Hoy Jeremia mpaminagny hoe: "Hanao anijany anie i Yaveh! Yaveh anie hagnamafy ny jaka jay nivinagnienao ka hamerigna ny rahan'ny tragnon'i Yaveh amin'itoy toerana eto toy, sy ny gadra abiaby hata-Babylona agne. 7Na die jany aja, mitenoa anijao jaka jay ambarako an-sofignareo eo sy an-sofin'gny vahôka abiaby eo.8Ny mpaminagny jay tsy talohako sy talohanao ela be teo hiany koa dia naminagny mahakasika ny firenena rahabe sy hanohitra ny fanjakana angeja be, momban'ny ady, mosare, ary ny areti-mandringagna. 9Fa ny mpaminagny jay maminagny fa hisy fedanana__laha tanteraka ny jakane, dia ho fantatra fa mpaminagny nirahin'i Yaveh tokôtra ijy."10Fa niresin'i Hanania mpaminagny ny zoga tan-tendan'i Jeremia mpaminagny ary nivakiny jane. 11Avy teo dia nijaka tagnatrehan'ny vahôka abiaby i Hanakia ka nagnano hoe: "ijao no jakan'i Yaveh: Hôtran'ijany koa, agnatin'ny roy taogna dia ho vakiko aby ny zoga jay napetrak'i Nebokadnezara mpanjakan'i Babylona tan-tendan'ny firenena abiaby abiaby teo." Dia nijotra tamin'ny lalagne i Jeremia mpaminagny.12Tafaran'ny namotehan'i Hanania mpaminagny ny zoga tamin'ny tendan'i Jeremia mpaminagny teo, dia avy tamin'i Jeremia ny jakan'i Yaveh, nagnano hoe: 13"Mandihana ary mivoriana amin'i Hanania ary lajao hoe: 'Jao no lajain'i Yaveh: namaky zpga hajo Anao, fa Aho koja hanao zoga vy.' 14Fa jao no lajain'i Yaveh Tompon'ny rehetra: Efa nametraka zoga vy tamin'ny tendan'ny firenena abiaby jay manompo an'i Nebokadnezara mpanjakan'i Babylona io Aho, ka hanompo anajy areo. Efa nagnome anajy bibidia hiany koa Aho ba hanapaka aminajy eo."15Tafaran'ijany i Jeremia mpaminagny dia nijaka tamin'i Hanania mpaminagny hoe: "Mitenoa ry Hanania! Tsy nagniraka anao i Yaveh, fa anao tegnanao no nahatonga ny vahôka hino vande. 16Ka jao no lajain'i Yaveh: Ito, hangala anao an-tany eto Aho. Ho faty amin'itoy taogna toy anao, satria nagnambara fikomena an'i Yaveh anao." 17Tamin'ny fahafiton'ny volagn'ijay taogna jay hiany, dia maty i Hanania mpaminagny.
Chapter 29

1Ito ny jaka tamin'ny vakin'ny taratasy jay nalefan'i Jeremia mpaminagny hata-Jerosalema agny hôn'ny loholo sisa mivela tamin'ny gadra sy tamin'ny mpisorogna, ny mpaminagny, ary ny vahôka jay natan'i Nebokadnezara sesitany hata-Jerosalema nandeha a Babylona agne. 2Jany dia tafaran'ny nandifasana an'i Jekonia mpanjaka, sy ny reny mpanjaka vave, sy ny manam-pahefana ambone, ny mpitarika an'i Joda sy Jerosalema, ary ny mpagnano asa-tagnana ta-Jerosalema tagne. 3Nampitondrainy an'i Elasa janak'i Safana ary Gemaria janak'i Hilkia jay nirahin'i Zedekia mpanjakan'i Joda, tamin'i Nebokadnezara mpanjakan'i Babylona agne, ny taratasy.4Jao no lajain'ny vakin'ny taratasy: "Yaveh tompon'ny rehetra, Andremanitr'Israely, milaja anijao amin'ny gadra abiaby jay natako sesitany hata-Jerosalema hôn'i Babylona: 5'Magnamboara tragno ka mitoera mipitraha amijay ao. Mambole zaridaigna ary hano ny vône.6Mangala vady ary miteraha janaka lahy sy vave. Dia angalao vady io janakao lahy, ary omeo vady ny janakareo vave. Ôka areo hiteraka jaja lahy sy vavy ary ampitomboy io ba tsy hanjary ho vitsy lôtra anareo. 7Rombejo ny fedanan'ny tanàna jay nanôvako anareo ho sesi-tane, sady mivavaha aminahy hônijany satria hisy fedanana hônao ao laha ao ny fedanana.'8Fa Yaveh tompon'ny rehetra, Andremanitr'Iraely, dia nilaja anijao: 'Aja mamela an'ny mpaminagny jay agnivonareo eo sy ny mpisikidy hamitaka anareo, ary aja miteno ny nofy jay nofisinareo. 9Fa areo dia maminagny am-pitaka aminareo amin'ny agnarako. Tsy nandefa an-dreo Aho__jany no fagnambaran'i Yaveh.'10Fa jao no nilajain'i Yaveh: 'Laha nanapaka anareo nandritry ny fitopolo taogna i Babylona, dia hitahy anareo Aho ary hagnantanteraka ny jaka tsarako hônareo ba hagnampodianana anareo amin'itoy toerana toy. 11Fa Aho tegnako no mahafantatra ny fikasako hônareo__jany no fagnambaran'i Yaveh__fikasana fedanana fa tsy loja, ba hagnome ho avy sy fagnantenana hônareo.12Dia hangaika Anahy anareo, ary handeha sady hivavaka aminahe, dia hiteno anareo Aho. 13Fa handremby Anahy anareo ka hahita Anahe, satria handremby Anahy amin'ny fonareo manontolo. 14Ary ho hitanareo Aho__jany no fagnambaran'i Yaveh__dia hampodiko ny harenareo; havoriko hatamin'ny firenena sy toerana abiaby nampielejakônareo anareo__jany no fagnambaran'i Yaveh__fa hagnampody anareo amijay toerana nagnanôvako sesi-tany anareo agny Aho.'15Satria anareo nilaja fa Yave dia nanandratra mpaminagny hônay a Babylona agne, 16dia jao no lajain'i Yaveh amin'ny mpanjaka jay mipetraka amin'ny seja fendrianan'i Davida eo sy amin'ny olo abiaby jay mipetraka amin'ijay tanàna ao jane, ny rahalahinareo jay bola tsy nivôka ho gadra niaraka taminareo__ 17jao no lajain'i Yaveh tompon'i rehetra: 'Ito, handefa mesa, mosare, sy areti-mandringagna amin-dreo eo Aho. Fa hatako hôtran'ny aviavy lo jay tena ratsy laha hohanina areo.18Dia hagnenjika an-dreo amin'ny mesa, mosare, sy areti-mandringagna Aho ary hanao an-dreo ho mahakamo amason'ny fanjakan'ny tany abiaby__horohoro, fitôvana fagnojognana sy mampifiopioke, ary raha mahamegnatra amin'ny firenenaabiaby eo jay nampielejako anaje. 19Jany dia satria tsy niteno ny jakako areo__jany no fagnambaran'i Yaveh__jay nalefako hôn-dreo tamin'ny alala'ny mpaminagny mpanompoko. Nandefa an-dreo fehijay Aho, befa tsy niteno anareo__jany no fagnambaran'i Yaveh.'20Ka tenoy ny jaka'n'i Yaveh, anareo sesitany abiaby jay nalefany hata-Jerosalema handeha a Babylona: 21'Yaveh tompon'ny rehetra, Andremanitr'Israely, dia nilaja anijao momba an'i Ahaba janak'i Kolaia sy Zedekia janak'i Mahaseia, jay maminagny vandy aminareo amin'ny agnarako: Ito, hamela an-dreo am-pelatagnan'i Nebokadnezara eo Aho. Hamono an-dreo amasonareo eo Ijy.22Dia hisy ojogna hilajain'ny gadran'i Joda abiaby a Babylona momba an'io olo io. Ny ojogna dia hilaja hoe: Hatan'i Yaveh hôtran'i Zedekia sy Ahaba anie anareo, jay natonon'ny mpanjakan'i Babylona tamin'ny afo. 23Hiseho jane noho ny raha mahamegnatra jay natan-dreo tagny Israely laha nijangajanga tamin'ny vadin'ny akamany sy nilaja jaka vandy tamin'ny agnarako, raha jay tsy bola nandidieko an-dreo ho lajaina mihintsy. Fa Aho jay mahalala; AHo no vavolombelogna__jany no fagnambaran'i Yaveh."'24"Laha ny amin'i Semaia Nehelamita, dia jao lajaina: 25'Jao no lajain'i Yaveh tompon'ny rehetra, Andremanitr'Israely: Satria anao nandefa taratasy tamin'ny agnaranao hiany tamin'ny olo abiaby ta-Jerrosalema, tamin'i Zefania janak'i Masaia mpisorogna, ary tamin'ny mpisorogna abiaby, ary nijaka hoe: 26"Yaveh nanao anareo ho mpisorogna fa tsy Joiada mpisorogna, ba hiendreketana ny tragnon'i Yaveh. Anao no mifehy ny olo abiaby jay very saigna sy manao ny tegnan-dreo ho mpaminagny. Tokony higadraina sy hifihejina amin'ny rojo vy areo.27Ka amijao, Nahôna anareo no tsy nijaka mahare an'i Jeremia ny amin'i Anatota, jay magnano ny tegnany ho mpaminagny manohitra anareo? 28Fefa nagniraka hônay ta-Babylona ijy sady nijaka hoe: 'ho fotôgna ela jane. Magnorena tragno ary mipitraha amijany ao, mambole zaridaigna ary hoano ny vônijane."" 29Namaky anitoy taratasy toy i Zefania mpaminagny tan-sofon'gni Jeremia mpaminagny.30Dia avy tamin'i Jeremia ny jakan'i Yaveh, magnano hoe: 31"Mandifasa jaka amin'ny sesitany abiaby ary lajao hoe: 'Jao no lajain'i Yaveh momban'i Semaia Nehelamita: Satria efa naminagny taminareo i Semaia abyaby tsy nandefa anajy Aho tegnako, sady nitarika anareo hino ny vandy, 32noho jany dia jao no lajain'i Yaveh: Ito, efa hanajy an'i Semaia Nahalemita sy ny taranagny Aho. Tsy hisy olo hibela amin'ny oloko eo__jany no fagnambaran'i Yaveh__fa efa nilaja fikomena hanohitra an'i Yaveh ijy."'
Chapter 30

1ny jaka jay avy tamin'i Jeremia hatamin'i Yaveh dia manao hoe: 2"Jao no lajain'i Yaveh, Andremanitr'Israely: 'Soraty agnaty taratasy hônao ny jaka abiaby jay nambarako taminao tagnatin'ny taratasy tao. 3Fa ito, hoavy andro__jany no fagnambaran'i Yaveh--jay hagnampodianako ny haren'ny oloko, dia Israely sy Joda. Aho, Yaveh, no nilaja anijane. Fa handako mipody amin'ny tany agny jay nameko ny rajan-dreo, ary ho fanagnan-dreo jane."'4Jao ny jaka jay nambaran'i Yaveh mahakasika an'Israely sy Joda: 5"Fijao no lajain'i Yaveh: 'Naharegny feo nangorohoro ny horohoro ahay fa tsy fedanana.6Magnotania ary jerevo laha misy lelahy mitondra vahôka. Nahôna Aho no mahita ny tovolahy abiabby mametraka ny tagnany am-balahan'gny eo hôtran'ny viavy mitondra vahôka? Nahôna no mihafotsy hatsatra aby ny tarehin-dreo? 7Loja! Fa ho lehibe jany andro jane, ary tsisy hôtran'ijane. Ho fotôgnan'ny tebiteby hôn'i Jakoba jane, fany ho avotra amin'ijany ijy.8Fa amin'ijany andro jane__jao no fagnambaran'i Yaveh tompon'ny rehetra__no hanapahako ny zoga hiala amin'ny vojognareo, ary hanorotoro ny rojo vy anareo, ka tsy hagnandevo anareo koa ny vahiny. 9Fa hivavaka amin'i Yaveh Andremaniny areo ary hanompo an'i Davida mpanjakane, jay hatako mpanjaka amin-dreo eo.10Ka anao, ry Jakoba mpanompoko, aja matahotra__jany no fagnambaran'i Yaveh--ary aja reki-tahotra, ry Israely. Fa ito, efa hitondra anao hipody hataamin'ny lavitra agny Aho, ary ny taranakao agny amin'ny tanin'ny figadrana. Hipody i Jakoba ary hiediena; hilamigna ijy, ary tsy hisy horohoro koa. 11Fa miaraka aminao Aho__jany no fagnambaran'i Yaveh__ba hamonjy anao. Dia hitaperiko tanteraka ny amin'ny firenena abiaby jay nampielejako anao. Fa tsy hanapitra anao tokôtra Aho, na dia magnafay anao amin'ny rariny aja Aho ka tsy hamela anao ho afa-maigna.'12Fa jao no lajain'i Yaveh: 'Tsy ajo ahafahina ny ratranao; vôloto ny ferinao. 13Tsisy hisolo vava anao; tsisy fagnafody hôn'ny ratranao ba hagnafagna anao.14Nagnadigno anao ny olo-tienao abiaby. Tsy handremby anao areo, fa efa nandratra anao tamin'ny ferin'ny fahavaloko sy tamin'ny helokao sy ny fahotanao tsy tambo isaina. 15Nahôna anao no miantso vonjy nohon'ny ratranao? Tsy mety mahafaka ny fanaintaignanao. Nohon'ny amin'ny helokao, ny fahotanao tsy tambo isaina, dia natako taminao io raha io.16Ka jay abiaby mamotika anao dia hipotehina, ary jay mpifagnandrigna aminao abiaby dia lasa migadra. Fa hôn'ijay mampigadra anao dia higadraina, ary hirobaiko jay mandroba anao. 17Fa hitondra fagnafahana aminao Aho; hagnafaka anao amin'ny ratranao Aho__jany no fagnambaran'i Yaveh__hatako jany satria areo dia nangaika anao hoe: Ry vôrôka. Tsy ba misy miraharaha an'itoy Ziona toy."'18Jao no lajain'i Yaveh: "Ito, hampody ny haren'ny lain'i Jakoba Aho ary hangoraka ny tragnone. Dia hisy tanàna hiorigna amin'ny faharavana misavôgna eo, ary hipody amin'ny toerany nisy anajy indraika ny ferovana mahere. 19Dia hira fiderana sy feo fifalena hivôka hatamin-dreo, fa hampitombo; homeko voninahitra areo ba tsy hidigna.20Dia ho hôtran'ny taloha teo ny olon-dreo ary fengonan-dreo dia hiorigna agnatrehako eo laha manajy ny abiaby jay mampahory an-dreo amin'ijao Aho. 21Hivôka hatamin-dreo ny mpitari-dreo. Tagnivon-dreo eo no hipoirany laha ampifakandrivosiko ary laha magnantogna Anahy ijy. Laha tsy manao anijany Aho, dia ija no mahasahy harivo Anahe?__jany no fagnambaran'i Yaveh. 22Dia ho oloko anareo, ary Aho hôn'Ndremanitrareo.23Ito, ny tafion'Yaveh, ny havigniraane, fa nivôka. Tafio nitohy jane. Hihodikodigna an-dohan'olo ratsy fagnahy jane eo. 24Tsy hipody ny havigniran'i Yaveh ambara-pahavitany sy hagnatanterahany ny fikasan'ny fo. Amin'ny andro farane, dia ho takatrao jane."
Chapter 31

1"Tamin'ijany fotôgna jany__jao no fagnambaran'i Yaveh__hôn'Dremanitrin'ny fenakaven'ny Israely abiaby Aho, ary ho vahôkako areo." 2Jao no lajain'i Yaveh: "Ny olo jay tsy matin'ny mesa dia nahita sitraka tan'efitra tagny; hivôka Aho ba hagnome fitsaharana hôn'ny Israely." 3Niseho taminahy Yaveh taloha tagny ary nijaka hoe: "Nitia anao Aho, ry Israely, tamin'ny fitiavana maharitra mandrakijay. Ka nisarika anao hagnantogna Anahy tamin'ny fagnekena matoky Aho.4Hanangagna anao indraika Aho ka hitsangagna anao, ry Israely virijiny. Handray ny ampongatapakareo anareo ary hivôka amin'ny dihim-pifalena. 5Hamboly tani-bôloboka indraika amin'ny tendrombohitra Samaria eo anareo; ny mpamboly dia hamboly ary hametraka ny vokatra amin'ny tokony ampesana anaje. 6Fa ho avy ny abdro hagnambaran'ny mpiambigna amin'ny tendrombohitr'i Efraima hoe: 'Mitsangàna, andao atsena hiakatra agny Ziona amin'i Yaveh Andremanitsena.'7Fa jao no lajain'i Yaveh: "Mihiekeke am-pifalena hôn'i Jakoba! Mihiekeka am-piravoravôna hôn'ny lehiben'ny vahôkan'ny firenena! Ôka ho regniny ny fiderana. Lajao hoe: 'Efa namonjy ny vahôkany Yaveh, io sisa nivela tamin'ny Israely.'8Ito, efa hitondra an-dreo hatamin'ny tany avaratra Aho. Hamory an-dreo amin'ny faritra lavitra indrindra ny tany Aho. Hôgnisan-dreo ny jamba sy ny maleme; hiaraka amin-dreo ny viavy betroka sy jay efa ho teraka. Hisy fengonana angeja be hipody eto. 9Ho avy am-pitomagnena areo; hitarika an-dreo araka jay fangatahany Aho. Hampandihaniko amin'ny rien-drano agny amin'ny lalagna mahitsy areo. Tsy ho tafantohigna amin'ijany eo areo, fa ho rain'ny Israely Aho, ary ho lahimatoako i Efraima."10"Tenoy ny jakan'i Yaveh, ry firenena. Tatero magnerana ny faritany lavitra agne. Anareo firenena dia tsy mentsy hilaja hoe: 'jay nagnaparitaka an'Israely dia namory anajy sady mandigny anajy hôtran'ny mpiambigna ondry mitandrigna ny ondrine.' 11Fefa nandoa ny vidim-pagnavotanan'i Jakoba Yaveh ary nagnavotra anajy tamin'ny tagnana tegny jay mafy lôtra hônaje.12Ary ho avy areo ka hifaly an-tampon'i Ziona eo. Hamiratra noho ny fahatsaran'i Yaveh ny tavan-dreo, amin'ny tandroka sy divay vôvao, amin'ny tandroka sy ny janakin'ny ondry sy osy ary ny amobe. Fa ho avy hôtran'ny zaridaigna vôtondraka ny fiaignan-dreo, ary tsy hahatsapa alahelo koa areo.13Dia hifaly amin'ny dihy ny virijiny, ary hiaraka ny tanora sy ny lahy antitra. Fa havadiko ho fankalajana ny fisôgnan-dreo. Hangoraka an-dreo Aho ka hampifaly an-dreo fa tsy hampalahelo. 14Dia hanototra be tokôtra ny fiaignan'ny mpisorogna Aho. Hameno ny tegnan-dreo amin'ny fahatsarako ny vahôkako__jany no fagnambaran'i Yaveh."15Jao no lajain'i Yaveh: "Nisy feo regniny ta-Rama, fidradradradradrana sy fitomagniena mahare. Rahely mitomagny ny janagny jane. Nandà tsy hampionogna ny amin-dreo ijy, satria efa tsy miaigna koa areo."16Jao no lajain'i Yaveh: "Avilay amin'ny fitomagnena ny feonao ary amin'ny ranomaso ny masonao; satri misy valiny ny fijalenao__jany no fagnambaran'i Yaveh__hipody hatamin'ny tanin'ny fahavalo agny ny janakao. 17Misy fagnantenana ny amin'ny ho avinao__jany no fagnambaran'i Yaveh__hipody amin'ny faritanin-dreo ao ny taranakao."18Efa regniko nalahelo tokôtra i Efraima hoe: 'Nagnasajy anahy Anao, ary efa nisajina hôtran'ny janak'aomby tsy nijaraina aho. Andôsy mipody aho dia ho tafapody, fa Anao no Yaveh Andremanitro. 19Fa tafaran'ny nipodianako taminao, dia nanegnina aho; tafaran'ny nagnajarana anahy, dia nanefaka ny feko aho. Afa-baraka sy megnatra aho, fefa niteraka ny heloky ny fahatanorako.' Sa tsy menakin'ny aiko ve i Efraima? 20Sa ve tsy malalako ijy, janaka tieko? Fa na viena na viena hivorianako anaje, dia bola hahatsiaro am-pitiavana anajy tokôtra Aho. jany no alahelon'ny foko anaje. Hagoraka anajy tokôtra Aho__jany no fagnambaran'i Yaveh."21Mamitraha famantaran-dalagna hônareo. Mamitraha takela-by tari-dalagna hôn'ny tegnanareo. Saino ny lala-marigna, dia ny lalagna jay tokony alahelo. Mipodiana, ry Israely virijiny! Miviregna amin'ny tanànanao agny igne. 22Mandra-pevena no hihojongojogna anao, ry janakavavy tsy manam-pinôna? Fefa namorogna java-bôvao hôn'ny tany Yaveh--dia viavy magnodidigna lelahy matanjake.23Yaveh Tompon'ny rehetra, ny Andremanitr'i Israely, dia milaja hoe: "Laha mitondra ny vahôka mipody amin'ny tanin-dreo Aho, dia hilaja anijany amin'ny Joda sy ny tanàn-dehiben-dreo agne hoe: 'Hitahy anao anie Yaveh, anao ry toerana marina jay ipitrahane, anao ry tendrombohitra masina.' 24Fa hiara-hipetraka agny i Joda sy ny tanàna abiaby, hôtran'ny mpamboly sy ny mpiambigna ondry miaraka amin'ny ondry sy osy. 25Fa hagnome rano hinomin'ny olo abiaby Aho, ary hampinogna anijay matin'ny hetaheta Aho." 26Tafaran'ijany dia nifoha Aho, ary nahatsapa fa nahavelombelogna ny torimasoko.273Ito, avy ny andro__jany no fagnambaran'i Yaveh__jay hamafajako ny ankohonan'Israely sy Joda maiaraka amin'ny tarana'olombelogna sy bibidia. 28Ta-loha, dia narahiko maso areo ba hagnavotana an-dreo sy hanimbana an-dreo, ba handravana, hamotehana, ary hagnasena ratsy an-dreo. Fa amin'ny andro ho avy, dia hiambigna an-dreo Aho, ba hanangagna an-dreo sy hamboly an-dreo__jany no fagnambaran'i Yaveh.29Amin'ny andro io dia tsy hisy na ija na ija hijaka koa hoe: "Nihinagna vôloboka masigna ny ray aman-drene, kanefa ny ifin'ny jaja no nadilo.' 30Fa ny olo tsirairay dia ho fatin'ny helogny hiany; ny olo abiaby jay mihinagna vôloboka masigna, dia hadilo ny ifine.31Ito, avy ny andro__jany no fagnambaran'i Yaveh_jay hagnorenako fagnekena vôvao amin'ny ankohonan'i Israely sy ny ankohonan'i Joda. 32Tsy ho hôtran'ny fagnekena jay naoriko tamin'ny iaban-dreo tamin'ny andro jay nitantagnako an-dreo ba hamoahana an-dreo tamin'ny tany Egypta. Io ny andro jay nandravan-dreo ny fagnekeko, na dia vady tamin-dreo aja Aho__jany no fagnambaran'i Yaveh.33Fa jao no fagnekena jay haoriko miaraka amin'ny ankohonan'ny Israely afaran'io andro io__jany no fagnambaran'i Yaveh: Hametraka ny lalàko agnatin-dreo ao Aho sady hanoratra anijany am-pon-dreo ao, fa hôn'Ndremaniny Aho, ary ho vahôkako areo. 34Dia tsy hampanatra ny mpiara-monigna aminajy koa ny lelahy tsirairay, na hampianatra ny rahalahiny ny lelahy raika ka hijaka hoe: 'Fantaro Yaveh!' Fa ijy abiaby, manomboka amin'ny kely indrindra amin-dreo ka hatamin'ny lehibe indrindra, dia hahafantatra Anahy__jany no fagnamaran'i Yaveh__fa hamela ny helo-dreo Aho ary tsy hahatsiaro ny fahotan-dreo koa."35Jao no lajain'i Yaaveh__Yaveh, no mpampibalieka ny masoandro amin'ny andro ary mandamigna ny volagna sy kintagna hamiratra ny aligna. IJy no mampihetsika ny ranomasina ba hierogna ny onjan'ijane. Yaveh Tompon'ny rehtra negnarane. Ijao no lajaine: 36"Laha ba manjavogna eto amasoko ny raha maharitra io---jany no fagnambaran'i Yaveh__dia hiegnina mandrakijay tsy ho firenena agnatrehako eo ny taranak'Israely."37Jao no lajain'i Yaveh: "Laha ba ajo refesina ny lagnitra ambony indrindra, ary laha ba hita ny fagnambanien'ny tane, dia hagnara ny taranak'Israely abiaby noho jay abiaby natany Aho__jany no fagnambarran'i Yaveh."38"Ito, hoavy ny andro__jany no fagnambaran'i Yaveh__jay hagnamboarana indraika ny tanàna hôn'Ahe, manomboka amin'ny Tilikambon'i Hanaela ao ka hatamin'ny vavahady An-jorone. 39Dia hivôka hata-lavitra koa ny tsipika fandresena, hatamin'ny haran'gni Gareba sy magnodidigna an'i Goa. 40Ny lohasahan'ny faty sy lakevigna manontolo, ary ny faritry ny saha abiaby mivôka mandeha agny amin'ny lohasahan'i Kidrona ka hata-lavitra amin'ny joron'ny vavahadin-sôvaly an-tsignanana agne, dia hatokagna hôn'i Yaveh. Tsy havotana ny tanàna na hiravaina indraika, mandrakijay."
Chapter 32

1Avy tamin'i Jeremia ny jaka hatamin'i Yaveh tamin'ny taogna fahavalo nanjakan'i Zedekia mpanjakan'i Joda, ny faha valo ambin'ny folo taogna nanjakan'i Nebokadnezara. 2Taminijany fotôgna jane, dia nagnano fahirano an'i Jerosalema ny tafikin'ny mpanjakan'i Babylona, ary i Jeremia mpaminagny dia nigadraina tamin'ny kianjan'ny fembenana tan-dragnon'ny mpanjakan'i Joda tao.3Nigadrain'i Zedekia mpanjakan'i Joda ijy ka nijaka hoe: "Nahôna anao no maminagny sy mijaka hoe: "Yaveh nijaka hoe: Ito, andao homeko hôn-tagnan'ny mpanjakan'i Babylona itoy tanàna toy, ary higadraine. 4Tsy hilefa ny tanan'i Kaldeana i Zedekia mpanjakan'i Joda, ary ajo antoka fa hame hôn-tagnan'ny mpanjakan'i Babylona ijy. Ny vavany dia hijaka amin'ny vavan'ny mpanjaka, ny masony hahita ny mason'ny mpanjaka. 5Hangala an'i Zedekia handeha a Babylona ijy, ary hibela agny ijy mandra-piraharahiko aminaje__jany no fagnambaran'i Yaveh. Na hiady hanohitra ny Kaldeana aja anareo, dia tsy hahomby anareo."6Hoy Jeremia: "Avy taminahy ny jakan'i Yaveh, mijaka hoe: 7'Ito, Hanamela janaka lahin'i saloma rahalahin-drainao magnantogna anao sady mijaka hoe: "Vidio hônao ny sahako a Anatota, fa managna zo hividy ani'ijany anao.""8Ary, araka ny nambaran'i Yaveh, Hanamela, janaka lahin'i dadatoako, hagnantogna anahy tami'ny kianjan'ny fembenana, araka ny nilajainy taminahy hoe: "Vidio ny sahako jay a Anatota amin'ny tanin'i Benjamina ao, fa anao ny zo handova anijane, ary ny zo hividy die anao. Vidio hônao jane. 'Ary fantatro fa jakan'i Yaveh jane. 9Ka nividiko ny saha ta-Anatota hatamin'i Hanamela, janaka lahin'i dadatoako, nilajaiko hônajy ny volafotsy, fito ambin'ny folo sekele ny lanjane.10Dia nanoratra antota-taratasy ary nagnisy tombi-kase anijany aho, ary nanagna vavolombelogna nijoro vavolombelogna nemijany koa aho. Ary nandanja ny volafotsy amin'ny fandanjana aho. 11Dia nangala ny rahraham-barotra vôtombo-kase aho, magnaraka ny didy sy lalàna, hatamin'ny raharaha tsy vôtombo-kase. 12Nagnome ny horon-taratasy vôtombo-kase an'i Baroka janaka lahin'i Hanamela aho, janaka lahin'i dadatoako, sy ny vavolombelogna jay nanoratra ny antota-taratasy vôtombo-kase, art tagnatrehan'ny Jiosy jay nipetraka tan-kianjan'ny fembenana tao.13Ka nandidy an'i Baroka tagnatrehan-dreo teo aho. Hoy aho: 14"Yaveh Tompon'ny rehetra, Andremanitr'Israely no mijaka anijao: "Alay ny io antota-taratasy io, ny rosian'ny varotra jay vôtombo-kase sy ny dika mitovy tsy vôtombo-kase amin'ny raharaham-barotra, ary ampitraho agnaty sihô tanimanga amijay ba haharitra fotôgna ela. 15Fa Yaveh Tompon'ny rehetra, Andremanitr'Israely, mijaka hoe: Ny tragno, ny saha, ny tanim-bôloboka dia bola hividina indraika eto amin'itoy tany toy."16Tafaran'ny nagnomejako an'i Baroka janaka lahin'i Neria ny rosian'ny varotra, dia nivavaka tamin'i Yaveh aho ka nijaka hoe: 17"Loja, ry Tompo Yaveh! Ito! Anao rery no nagnano ny lagnitra sy ny tany tamin'ny alalan'ny herinao angeja be sy ny sandrinao nisandratra. Tsisy raha jay jakainao ka sarotra taminao koa ny nagnano anaje. 18Naneho fagnekena matoky tamin'ny arivony Anao ary mamaly ny fahadisôn-dreo. Anao no Andremanitra lehibe sady mahery; Yaveh Tompon'ny rehetra negnaranao.19Lehibe amin'ny fahendrena Anao ary mahery amin'ny asa. Fa misokatra amin'ny lalanan'ny vahôka abiaby ny masonao, ba hagnome ny olo tsirairay jay mendrika ny fitondran-tegnany sy ny asane. 20Nagnano famantarana sy fahagagana rahabe tamin'ny tany Egypta tao Anao. Amijao fotôgna jao a Israely ary amin'ny olobelogna abiaby eo, dia nampalaja negnaranao Anao. 21Fa nitondra ny Israely vahôkanao hivôka ny tany Egypta Anao miaraka amin'ny famantarana sy fahagagana, miaraka amin'ny tagna-mahere, sady miaraka amin'ny sandry mitsangagna, ary miaraka amin'ny fampatahorana angeja be.22Dia namenao an-dreo itoy tany toy__Jay niaignanao tamin'ny rajambeny fa hame an-dreo__dia tany tondra-dronono sy tintele. 23Ka niditra areo sady nangala anijay ho fanagnana. Fa tsy niteno ny feonao areo na niaigna tagnatin'ny fankatoavana ny lalànao. Tsy nagnano na ino na ino amijay nandidienao an-dreo hatao areo, noho jany dia nitondra loja tamin-dreo teo Anao.24Ito! Ny tonon-tany dia tafiakatra tamin'ny tanàna tegny ba hanambotra anijane. Fa noho ny mesa, mosare, ary ny areti-mandringagna, dia natolotra hôn-tagnan'ny Kaldeana eo jay miady aminajy ny tanàna. Fa jay nijakainao hitranga dia mitranga, ary ito, mijery anao. 25Ary dia hoy anao taminahy: "Mividiana saha hônao amin'ny volafotsy ary manàgna vavolombelogna hijoro vavolombelogna nemijane, na dia handeha hame an-tagnan'ny Kaldeana eo aja itoy tanàna toy.26Avy tamin'i Jeremia ny jakan'i Yaveh, magnano hoe: 27"Ito, Aho no Yaveh, Andremanitrin'ny olombelogna abiaby. Misy raha sarotra tsy haiko atao ve? 28Kijao no lajain'i Yaveh hoe: "Ito, handeha hagnome an'itoy tanàna itoy hôm-pelatagnan'ny Kaldeana sy Nebokadnezara, mpanjakn'i Babylona Aho. Hampigadra anijany ijy.29Ny Kaldeana jay mandremby amin'itoy tanàna toy dia ho avy sady handrehitra afo amin'itoy tanàna toy sy hagnoro anitoy. Hatamin'ny tragno ami'ny jay hivavahan'ny vahôka tamin'i Bala eo aja die nandrarahany fagnatitra nomina hôn'ny andremani-kafa ba hangihana Anahe. 30Fa ny vahôkan'Israely sy ny Joda dia vahôka jay manao ratsy tamasoko teo tokôtra hatamin'ny fahatanorane. Fefa nanafantohigna Anahy tamin'ny alalan'ny fatan'ny tagnany tokôtra ny vahôkan'Israely__jany no fagnambaran'i Yaveh.31Nambaran'i Yaveh fa itoy tanàna toy hatamin'ny andro nagnorenan-dreo anajy dia fagnantsovana havignirana. Dia jao ijy hatramijao. Noho jany dia halaiko tsy ho eo alohan'ny tavako jane 32noho ny haratsien'ny vahôkan'Israely sy Joda, ny raha natan-dreo hagnantsovana Anahy__areo, ny mpanjakane, andriane, mpisorogne, mpaminagnine, sy ny olo abiaby a Joda ao ary ny mponin'gni Jerosalema.33Magnome lamosigna Anahy areo fa tsy ba ny tavane, na dia nampianatra an-dreo tamin-sitra-po aja Aho. Niejaka nampianatra an-dreo Aho, fa tsisy na raika amin-dreo aja ka hiteno ba handray fagnitsiena. 34Nametraka ny sampy mahakamo tan-dragnoko tao jay nagnihana tamin'ny agnarako areo, ba handoto anijane. 35Nambôtra toerana ambony hôn'i Bala tamin'ny lohasahan'i Bena Hinoma tao areo ba hagnorôna ny janagny lahy sy janagny vavy hôn'i Molesa. Tsy nandidy an-dreo Aho. Tsy tan-saiko tao mihintsy hoe hano anijany raha mamparikoriko jany areo ary dia nampanota an'i Joda.36Ka amijao, Aho, Yaveh, Andremanitr'Israely, no milaja anijao mahakasika an'itoy tanàna toy, tanàna jay lajainareo hoe: 'Name hôn-tagnan'ny mpanjakan'i Babylona jany tanàna jane amin'ny alalalan'ny mesa, mosare, ary areti-mandringagna. 37Ito, hamory an-dreo amin'ny tany abiaby agny jay nandroahako an-dreo tagnatin'ny havignirako, ary havignirana angeja be Aho. handeha hampody an-dreo amin'ijay toerana jany Aho ary ahafahan-dreo miaigna am-pilaminana.38Die ho oloko areo, ary Aho hôn'NDremanine. 39Hagnome fo raika sy lalagna raika ba hagnojam-boninahitra Anahy isan'andro hôn-dreo Aho ka ho tsara hôn-dreo sy ny taranagny afaran'ijane. 40Dia hanao fangekena mandrakijay miaraka amin-dreo Aho, jay tsy hagnavilako ny fanôvako tsara an-dreo. Hametraka ny voninahitra jay hônAhy areo. Hametraka voninahitra jay hônAhy am-pon-dreo ao Aho, ba tsy hivadika Aminahy mandrakijay areo.41Dia faly amin'ny fagnasoavako an-dreo Aho. Hampitoboka an-dreo amin'itoy tany toy am-pahatokisana Aho amin'ny foko manontolo sy ny aiko abiaby. 42Fa Yaveh mijaka anijao: "Hôtran'ny nitondrako anijao loja abiaby jao amin'ito vahôka ito, dia hôtran'ijany no hitondrako ny java-tsoa abiaby amin-dreo jay nilajaiko fa hatako amin-dreo.43Ary hisy saha hividina amin'itoy tany toy, jay lajainareo hoe: "Tany simba toy, jay tsisy na olo na biby. Efa nometan-tagnan'ny Kaldeana teo toy." 44Hividy amin'ny volafotsy areo ary hanoratra amin'ny antota-taratasy vôtombo-kase. Hamory vavolombelogna amin'ny tanin'i Benjamina ao areo, ny magnodidigna an'i Jerosalema abiaby sy ny tanànan'i Joda, agny amin'ny tanàna amin'ny tany haragna sy ny tany lemaka amorone, ary an-tangnan'i Negeva. Fa hampody ny hareny Aho__jany no fagnambaran'i Yaveh."'
Chapter 33

1Dia avy fagnindroany tamin'i Jeremia ny jakan'i Yaveh, laha bola vôhidy tamin'ny kianjan'ny mpiambigna teo ijy, manao hoe: 2"Yaveh no Mpahary, milaja anijao__Yaveh, jay mandamigna ba hampitoetra__Yaveh nEgnarane, 3'Angiho aho, dia hivaleko Anao. Haneho java-dehibe amiano Aho, java-miafigna jay tsy takatrao.'4Fa Yaveh, Andremanitry ny Israely, milaja anijao mahakasika ny tragno eto amin'itoy tany toy sy ny tragnon'ny mpanjaka'ny Joda jay niravaina nohon'ny fekaran'ny sajy sy ny mesa, 5'Avy ny Kaldeana hiady sady hameno ny tragno amin'ny fatin'olo jay hivoniko amin'ny havignirana, laha mamony ny tavako amin'itoy tanàna toy Aho noho ny faharatsen-dreo abiaby.6Nefa ito, hitondra fagnasitragnana sy fagnahy Aho, fa hagnasitragnana an-dreo Aho sady hitondra be, fedanana, ary fagnekena matoky. 7Fa hamerigna ny haren'i Joda sy Israely Aho; hagnorigna an-dreo hôtran'ny tam-pendohana Aho. 8Dia handio anajy amin'ny heloka abiaby jay natan-dreo taminahy Aho. Hamela ny helogny abiaby jay natany taminahy Aho, ary lalana abiaby jay nikomeny hanohitra anahy. 9Fitoy tanàna toy dia ho lasa raha mahafaly anahe, hira fiderana sy voninahitra hôn'ny firenena abiaby amin'ny tany jay haharegny ny raha tsara abiaby jay hatako hônijane. Dia hatahotra sy hangorohoro areo noho ny raha tsara abiaby sy fedanana jay hamejo anaje.'10Jao no lajain'i Yaveh, 'Eto amin'itoy toerana toy jay lajainao amijao hoe: "Lao jane, toerana jay tsisy na olo na biby," amin'ny tanànan'i Joda, ary amin'ny lalan'gni Jerosalema jay lao tsisy olo na biby, dia ho regny indraika 11ny feon'ny fifalena sy ny feon'ny firavoeavôna, ny feon'ny mpampiakatra sy ny feon'ny ampekarina, ny feon'ijay milaja, laha mitondra fagnatitra fisôrana an-dragnon'i Yaveh," Misôra an'i Yaveh Tompon'ny rehetra ao, fa tsara i Yaveh, ary ny fitiavany tsy mety levogna haharitra mandrakijay!" Fa Aho hamerigna ny haren'ny tany hôtran'ny taloha,' hoy Yaveh12Jao no lajain'i Yaveh Tompon'ny rehetra hoe: "Eto amin'itoy toerana lao toy, jay tsisy na olo na biby amijao__dia hisy ahitra jay afaka hagnavilan'ny mpiambigna ondry ny ondry sy osiny 13indraika eo amin'ny tanànany abiaby. Amin'ny tanàn-dehibe amin'ny tany haragna eo, ny tany lemake, ary Negeva, amin'ny tanan'i Benjaminaa eo sy amin'ny magnodidigna an'i Jerosalema abiaby, ary amin'ny taanànan'i Joda agne, ny ondry sy osy dia handalo indraika ambanin'ny tagnan'ijay hagnisa an-dreo eo,' hoy Yaveh.14'Ito! Avy ny andro__jao no fagnambaran'i Yaveh__jay hanôvako jay nampanantenaiko tamin'ny ankohonan'ny Israely sy ankohonan'i Joda. 15Amin'ijany andro jany sy fotôgna jany dia hampagniry rantsagna marina hôn'i Davida Aho, ary hagnatanteraka ny rariny sy fahamarinana amin'ny tany eo ijy. 16Amijany andro jany dia ho vonjena i Joda, ary i Jerosalema hiaigna am-pilaminana, fa jany no hangihana anaje, "Yaveh no fahamarinantsena."17Fa jao no lajain'i Yaveh: 'Ny olo avy amin'ny taranak'i Davida dia tsy ho ory jaja lahy na amin'ny vena na amin'ny vena hitoboka amin'ny seja fiandriagnan'ny ankohonan'ny Israely eo, 18na olo avy amin'ny Levita mpisorogna dia tsy ho tsy ampy agnatrehako ba hanangagna fagnatitra rôna eo, hagnoro fagnatitra hohanina, ary hagnatanteraka fagnatitra vary amin'ny fotôgna abiaby."'19Avy tamin'i Jeremia ny jakan'i Yaveh, manao hoe: 20"Jao no nilajain'i Yaveh: 'Laha mahavita maimba ny fagnekena atokisako andro aman'aligna anao ka tsy hisy koa ny andro na aligna amin'ny fotôgna iombognan-dreo, 21dia hahavita mandrava ny fagnekena atokisako tamin'i Davida mpanompoko anao, ka dia tsy hanagna janaka lahy hitoboka eo amin'ny seja fiandriagnany koa ijy, ary ny fagnekeko mampatoky tamin'i Levita mpisorogna, sady mpanompoko. 22Hôtran'ny miaramilan'ny lagnitra tsy tambo isaina, sy fasika amoron-dranomasina tsy ajo refesina, no hampitombôko ary jay Levita jay nanompo talohako.23Avy tamin'i Jeremia ny jakan'i Yaveh, manao hoe: 24"Tsy nisaigninao ve jay nambaran'io vahôka io laha nijaka areo hoe: 'Ny fenakaviena rolahiteo jay nifidin'i Yaveh io amijao dia nilavin-dreo?' Amin'ijany no anôvan-dreo fa tsy firenena imasony eo koa areo.25Aho, Yaveh, no milaja anijao, 'Laha tsy nagnorigna ny fagnekena mampatoky amin'ny andro sy amin'ny aligna Aho, ary laha tsy nametraka lalàna hôn'ny lagnitra sy ny tane, 26dia nandà ny taranak'i Jakoba sy Davida mpanompoko Aho, ary tsy nitondra hôn-dreo olo hanapa manerana ny taranak'i Abrahama d'Isaka, ary Jakoba. Fa hamerigna ny hareny sady haneho famindram-po amin-dreo Aho.'"
Chapter 34

1Ny jaka jay avy tamin'i Jeremia hatamin'i Yaveh, laha nanangagn'ady tamin'i Jerosalema sy ny tanànany abiaby i Nebokadnezara mpanjakan'i Babylona sy ny tafigny abiaby, niaraka tamin'ny fanjakan'ny tany abiaby, ny firenena ambany fahefane, sy ny vahôkan-dreo abiaby, nanao hoe: 2'Yaveh, Andremanitr'Israely, dia milaja anijao: Mandihana ary mivoriana amin'i Zedekia mpanjakan'i Joda ary lajao aminajy hoe: "Yaveh dia milaja anijao: Ito, hagnome itoy tanàna toy hômpelan-tagnan'ny mpanjakan'i Babylona Aho. Ho rôny jane. 3Tsy hoafaka an-tagnany eo anao, satria ho vôsambotra tokôtra anao ary hatolotra an-tagnany eo. Hijery ny mason'ny mpanjakan'i Babylona ny masonao; hivoria mivantagna aminao ijy laha mandeha a Babylona anao.'4Tenoy ny jakan'i Yaveh, ry Zedekia mpanjakan'i Joda! Yaveh dia milaja anijao mahakasika anao: 'Tsy ho faty amin'ny mesa anao. 5Ho faty am-pedanana anao. Hôtran'ny fagnorôna tamin'ny fandivegnana an'ny rajambenao, ny mpanjaka talohanao, dia hirôn-dreo ny vatagnao. Hijaka areo hoe: "Loja, ry tompoko!" Hisôgna anao areo. Amijao efa nijaka Aho__jany no fagnambaran'i Yaveh."6Ka nambaran'i Jeremia mpaminagny tamin'i Zedekia mpanjakan'i Joda ta-Jerosalema io jaka abiaby io. 7Niady tamin'i Jerosalema sy ny tanàna sisan'i Joda ny tafiky ny mpanjakan'i Babylona: Lakisy sy Azeka. Ny tanànan'i Joda io dia nipetraka ho tanàna mimanda.8Ny jaka jay avy tamin'i Jeremia hatamin'i Yaveh tafaran'ny nanôvan'i Zedekia mpanjaka fagnekena tamin'ny olo abiaby ta-Jerosalema, ba hagnambara fahafahana amin-dreo 9fa ny olo tsirairay dia tsy mentsy magnafaka ny andevony Hebreo, na lahy na vave, ba tsy hisy hagnandevo ny Jiosy jay rahalahine.10Noho jany ny mpitarika abiaby sy ny olo tsirairay dia niditra tamin'ny fagnekena fa ny olo tsirairay aby dia hagnafaka ny andevo lahy sy andevo vaviny ba tsy handivojina koa areo. Nankatò areo ary nagnafaka an-dreo. 11Fa tafaran'itoy fia niova ny eritrerin-dreo. Namponin-dreo ny andevo jay navosi-dreo. Nitiren-dreo hôndevo indraika areo.12Ka dia avy tamin'i Jeremia ny jakan'i Yaveh, nanao hoe: 13"Yaveh, Andremanitr'Israely, dia milaja anijao: 'Aho dia nanao fagnekena tamin'ny rajambenareo tamin'ny andro jay nitondrako an-dreo hivôka t-Egypta, hivôka ny tragnon'ny fagnandivojana. Jany dia tamin'Iaho nijaka hoe: 14"Sakin'ny faran'ny fito taogna ny olo tsirairay, dia tsy mentsy mandefa ny rahalahine, ny Hebreo akamany jay nivarotra ny tegnany taminao sy hanompo anao nandritry ny eni-taogna. Avilao handeha an-kalalahana ijy." Fa ny rajambenareo dia tsy niteno Anahy na nanongilan-sofigna taminahe.15Amijao anareo nibebaka ay nanomboka nanao jay marina tamasoko teo. Nagnambara fahafahana anareo, ny olo tsirairay aby tamin'ny mpiara-belogna taminaje, ary nanao fagnekena talohako tamin'ny tragno jay nangihako amin'ny agnarako tao anareo. 16Fa aviteo anareo nivadika ary nandoto negnarako; natanareo jay hameregnan'olo tsirairay ny andevony lahy sy vave, hôn'ijay nalefanaeo handeha amin'ijay nirien-dreo agny. Nitirenareo ho lasa andevonareo indraika areo.'17Noho jany Yaveh dia milaja anijao: 'Anareo dia tsy niteno Anahy. Tokoy nagnambara fahafahana tamin'ny rahalahinareo sy ny Israelita akamanareo anareo, ny tsirairay hataminareo. Ka ito! Hagnambara fahafahana aminareo Aho__jany no fagnambaran'i Yaveh__fahafahana amin'ny mesa, ny areti-mandringagna, sy ny mosare, satria hahatonga anareo ho raha mahakamo amason'ny fanjakana abiaby eto an-tany Aho. 18Avy teo dia hifampiraharaha amin'ny olo jay nandrava ny fagnekeko Aho, jay tsy nitandrigna ny jakan'ny fagnekena jay nabela teo alohako laha nijara aombilahy ho rolahiteo areo ary nandeha tagnelegnelan'gnijany teo, 19ary aviteo ny mpitarika aan'i Joda sy Jerosalema, ny tandapa sy mpisorogna, ary ny olo abiaby tamin'ny tany tao dia nandeha tagnelagnelagnin'ny aombilahy jay efa vôtetika teo.20Hatolotro an-tagnan'ny fahavalony eo areo sy hôn-tagnan'ijay mifofo ny ain-dreo. Ho rahanina hôn'ny voron'gny habakakabaka sy ny bibidian'ny tany ny vatan-dreo. 21Noho jany dia hatolotro an-tagnan'ny fahavalony sy an-tagnan'ijay nikasa ny ain-dreo sy an-tagnan'ny tafikin'ny mpanjakan'i Babylona ei jay nitsangagna hanohitra anareo i Zedekia mpanjakan'i Joda sy mpitarigne. 22Ito, handefa beko Aho__jany no fagnambaran'i Yaveh--ary hamerigna an-dreo amin'itoy tanàna toy ba hanangagna ady hanohitra anijay sy hangala anijane, ary ba hagnoro anijane. Fa Aho dia hamadika ny tanànan'i Joda ho toerana rava jay tsy hisy mponigna.'"
Chapter 35

1Avy tamin'i Jeremia ny jakan'i Yaveh tamin'ny andron'i Joikima janaka lahin'i Josia mpanjakan'i Joda, nanao hoe: 2"Mandihana amin'ny fenakaven'i Rekabita agny ary mivoriana amin-dreo. Avy eo dia andôsy hôtoy an-dragnoko areo, amin'ny raika amin'ny efitra ao, ary omeo divay hinominy areo."3Ka nalaiko Jazania janaka lahin'i Jeremia janaka lahin'i Habazinia sy ny rahalahine, ny janagny lahy abiaby, ary ny fenakaven'ny Rekabita. 4Nandako tamin'ny tragnon'i Yaveh tao areo, tamin'ny efitrin'ny janaka lahin'ny Jigdalia tao, ny lelahin'Andremanitra. Io efitra io dia tagnilan'ny efitrin'ny mpitarika, jay ambonin'ny efitr'i Mahaseia janaka lahin'i Saloma, jay mpiambigna vavahady."5Ary napetrako talohan'ny Rekabita teo ny sihô sy kapôka sady nijaka tamin-dreo hoe: "Minoma divay." 6Fany hoy areo hoe: "Tsy hinogna divay ahay, satria ny rajambenay, i Jonadaba janaka lahin'i Rekabita, die nandidy anay hoe: "Aja minogna divay mandrakijay, na anareo na ny taranakareo. 7Aja manangan-tragno, mamafy voa, na mamboly tani-bôloboka koa; tsy hônareo jane. Fa anareo dia tsy mentsy hipetraka agnaty lay mandritra ny andronareo abiaby, ba hipitrahanareo ela amin'ny tany jay ipitrahanareo eo hôtran'ny vahiny.'8Efa nankato ny jakan'ny Jonadaba janaka lahin'i Rekabita, rajambenay ahay, tamijany abiaby nandidieny anay, ba tsy hinogna divay mandritra ny androm-piaignanay manontolo, ahay, ny vadinay, ny janakay lay sy vave. 9Tsy hanangagnatragno hipitrahana mihintsy ahay, ary tsy hisy tanim-bôloka, saha, na voa ho fanagnanay. 10Efa niaigna tagnaty lay ahay ary efa nankato sy nahavita jay abiaby nandidien'i Jonadaba rajambenay. 11Fany laha nanafika ny tany i Nebokadnezara mpanjakan'i Babylona, dia hoy ahay hoe: 'Avia, tsy mentsy hô-Jerosalema atsena ba hilefa ny tafiky ny Kaldeana sy Syriana.' Ka nipetraka ta-Jerosalema ahay."12Avy teo dia avy tamin'i Jeremia ny jakan'i Yaveh, manao hoe: 13"Yaveh tompon'ny rehetra, Andremanitr'Israely, dia milaja anijao: 'Mandihana ary lajao ny lelahin'i Joda sy ny mponin'gni Jerosalema hoe: "Tsy handray fagnitsiena sy hiteno ny jakako ve anareo?__jany no fagnambaran'i Yaveh. 14Ny jakan'i Jonadaba janaka lahin'i Rekabita jay nameny ny janagny lahy ho didy, tsy hinogna divay, dia hita hatamijao andro jao. Nankato ny didin'ny rajambenay areo. Fa laha ny aminahe, aho diefa nanao fagnambarana fehijay taminareo, fany tsy miteno anahy anareo.15Nagniraka ny mpanompoko abiaby, ny mpaminagny taminareo Aho. Hentitra Aho tamin'ny fandifasana an-dreo hijaka hoe: 'Ôka ny olo tsirairay hiala amin'ny fomba ratsiny ka hanao ny asa tsara; ôka tsy hisy hagnaraka andrtemani-kafa ary hanompo an-dreop koa. Fa mipodiana koja amin'ny tany jay nameko anareo sy ny rajambenareo.' Na jany aja bola tsy hiteno anahy na hifantoka aminahy anareo. 16Nefa ny taranak'i Jonadaba janaka lahin'i reakabita diefa nitandrigna ny didin'ny rajamben-dreo jay nameny an-dreo, fany mandà ny hiteno Anahy io vahôka io."'17Ka nijaka anijao Yaveh, Andremanitra Tompon'ny rehetra sy Andremanitr'Israely hoe: 'Ito, andako amin'ny Joda sy ny olo abiaby miaigna a Jerosalema eo ny loja abiaby nitognoniko satria nivoria tamin-dreo Aho, fany tsy niteno areo; nangaika an-dreo Aho, fany tsy namaly areo.'"18Hoy Jeremia tamin'ny taranakin'ny Rekabita hoe: "Yaveh tompon'ny reetra, Andremanitr'Israely, dia milaja anijao: Niteno ny didin'i Jonadaba rajambenareo anareo sady nitandrigna anajy abiaby__nankato jay abiaby nandidieny hatanareo anareo__ 19ka Yaveh tompon'ny rehetra, Andremanitr'Isarely, dia milaja anijao: 'Tsy mentsy hisy olo hatamin'ny taranak'i Jonadaba janaka lahin'i Rekabita hanompo Anahy mandrakariva.'"
Chapter 36

1Ary tamin'ny taogna fahefatra nanjakan'i Joiakima janaka lahin'i Josia mpanjakan'i Joda, no nahatongavan'ijao jaka hatamin'i Yaveh jao tamin'i Jeremia, sady hoy ijy: 2"Mangalà horognan-taratasy raika hônao ary soraty amin'ijany ao ny jaka abiaby jay efa nilajaiko anao mahakasika an'Israely sy Joda, ary ny firenena abiaby. Atôvy jany hôn'ny java-drehetra efa nilajaiko nanomboka tamin'ny andron'i Josia ka hatamin'itoy andro toy. 3Angamba ba hiteno ny loja abiaby jay eritreretiko handao amin-dreo eo ny mponin'gni Joda. Angamba ba hivily amin'ny lalan-dratsiny hiany ny olo abiaby, ka dia afaka hamela ny helogny sy ny fahotan-dreo Aho."4Ary nangaika an'i Baroka janakalahin'i Neria I Jeremia, ary nisoratan'i Baroka tagnaty horognan-taratasy ny jaka abiaby tao jay nilajain'i Yaveh tamin'i Jeremia. 5Avy teo dia nagnome beko an'i Baroka i Jeremia. Hoy ijy: "An-dragnomejigna ato aho ary tsy afaka mandeha an-dragnon'Andremanitre. 6Ka tsy mentsy mandeha anao ary hamaky ny jaka jay nitognoniko ary nisoratanao tagnatin'ny horognan-taratasy tao. Amin'ny andron'ny fifadien-kanina, dia tsy mentsy vakinao an-sofin'gny vahôka an-dragnony ny jakan'i Yaveh, ary an-sofin'gny Joda abiay jay hatamin'ny tanànany mandy koa. Jakay amindreo io jaka io.7Angamba ba ho avy agnatehan'i Yaveh eo hiany ny fitalahôn-dreo famindram-po. Angamba ba hiala amin'ny lalan-dratsiny hiany ny olo tsirairay, satria mafy ny havignirana jay efa nambaran'i Yaveh tamin'ny vahôkane io." 8Ka die natan'i Baroka janaka lahin'i Neria jay abiaby nandidien'i Jeremia mpaminagny hatao. Nivakiny mahare tan-dragnon'i Yaveh ny jakan'i Yaveh.9Ary tamin'ny volagna fahasivin'ny taogna fahadimy nanjakan'i Joiakima janaka lahin'i Josia, mpanjakan'i Joda, no nagnambaran'ny vahôka abiaby ta-Jerosalema sy ny olo jay avy ta-Jerosalema hatamin'ny tanànan'i Joda ny fifadien-kanina ho voninahitr'i Yaveh. 10Nivakin'i Baroka mahare tan-dragnon'i Yaveh tao ny jakan'i Jeremia, hateo amin'ny efitragnon'i Gemaria janaka lahin'i Safana mpanora-dalàna, tambonin'ny kianja, marivo ny vavahady fidirana ny tragnon'i Yaveh. Natany tan-sofin'gny vahôka abiaby jane.11Ary regnin'i MIkaia janaka lahin'i Gemaria janaka lahin'i Safana ny jakan'i Yaveh abiaby tamin'ny horognan-taratasy. 12Nidigna tan-dragnon'ny mpanjaka tao ijy, tamin'ny efrin'ny mpitan-tsoratra tao. Io, fa nitoboka teo aby ny manam-pahefana abiaby: Elisama mpitan-tsoratre, Delaia janaka lahin'i Semaia, Elnatana janaka lahin'i Akbora, Gemaria janaka lahin'i Safana, sy Zedekia janaka lahin'i Hanania, ary ny manam-pahefana abiaby.13Ary nitanterahin'i Mikaia tami-dreo ny jaka abiaby jay regniny jay nivakin'i Baroka mahare tan-sofin"gny vahôka. 14Ary nalefan'ny manam-pahefaana abiaby hoagny amin'ny Baroka i Jehody janaka lahin'i Netanaia janaka lahin'i Selemia janaka lahin'i Kosa. Hoy i Jehody tamin'i Baroka hoe: "Reso an-tagnanao eo ny horognan-taratasy, die ny horognan-taratasy jay nivakina tan-sofin'gny vahôka, ary avia." Ary Baroka janaka lahin'i Neria nandray ny horognan-taratasy tan-tagnany ary nandeha tagny amin'ny manam-pahefana. 15Ary hoy areo taminaje: "Mitoboha sady vakio an-sofignay eto toy." Ka dia nivakin'i Baroka ny horognan-taratasy.16Ary laha naharegny io jaka abiaby io areo, dia nifampijery matahotra tamin'ijay marivo teo ny olo tsirairay ka nijaka tamin'i Baroka hoe: "Tsy mentsy tateritsena amin'ny mpanjaka tokôtra io jaka abiaby io." 17Avy teo dia nagnotanien-dreo i Baroka hoe: "Lajao anay, tamin'ny fomba aôna no nanoratanao io jaka jay nitognonon'i Jeremia abiaby io?" 18Baroka nanao tamin-dreo hoe: "Nitognoniny taminahy io jaka abiaby io, kadie nisoratako tamin'ny rano menty tamin'ny horognan-taratasy teo." 19Ary hoy ny manam-pahefana tamin'i Baroka: "Mandihana, mivony anao, ary i Jeremia koa. Ôka tsy hisy olo hafantatra ny misy anareo."2220 dia napetra-dreo tamin'ny efitr'i Eliasama mpitan-tsoratra ny horognan-taratasy, ary nandeha tagny amin'ny mpanjaka an-kianja teo areo, ka nijakain-dreo tan-sofin'gny mpanjaka teo ny raha abiaby. 21Ary nirahin'ny mpanjaka hangala ny horognan-taratasy i Jehody. Nalain'i Jehody tamin'ny eftr'i Eliasama mpitan-tsoratra jane. Avy teo dia nivakiny tan-sofin'gny mpanjaka sy ny manam-pahefana abiaby teo jay nitsangagna tagnilany teo jane. 22Nipetraka tamin'ny tragnon-dririnina tao ny mpanjaka tamin'ny volagna faha sivy, ary nisy fatagna nirehitra talohany teo.23Ary laha namaky andieny telo na efatra i Jehody, dia nitapahin'ny mpanjaka tamin'ny antsy jany ka natsipiny tagnaty afo tam-patagna tao mandra-pahamay ny horognan-taratasy abiaby. 24Nefa tsy nampatahotra na ny mpanjaka na ny mpanompony jay naharegny io jaka abiaby io, na nandrota ny akanjony areo.25Nandrara ny mpanjaka ba tsy hagnoro ny horognan-taratasy i Elnatana dy Delaia ary Gemaria, fa tsy niteno an-dreo ijy. 26Ary ny mpanjaka nandidy an'i Jeremela havane, Seraia janaka lahin'i Azriela, ary Selemia janaka lahin'i Abdela ba hanambotra an'i Baroka mpanora-dalàna, sy i Jeremia mpaminagny, nefa navonin'i Yaveh areo.27Ary avy tamin'i Jeremia ny jakan'i Yaveh tafaran'ny nagnorôn'ny mpanjaka ny horognan-taratasy sy ny jaka jay nisoratan'i Baroka tamin'ny fanognonan'i Jeremia, manao hoe: 28"Mipodià, mangalà horognan-taratasy raika hafa hônao, ary soraty amin'jay ny jaka abiaby jay tamin'ny horognan-taratasy vôlohane, dia jay efa nirôn'ny Joiakima mpanjakan'i Joda. 29Ary tsy mentsy lajainao amin'i Joiakima mpanjakan'i Joda jao: "Nirônao itoy taratasy toy, jay milaja hoe: 'Nahôna anao no nanoratra tamijany teo, 'Ho avy tokôtra ny mpanjakan'i Babylona ka handrava an'itoy tany toy, fa haringagna na ny olo na ny biby amijany ao'?'""30Noho jany dia jao no lajain'i Yaveh ny mahakasika anao, ry Joiakima mpanjakan'i Joda: 'Tsy hisy koa amin'ny taranakao hipetraka amin'ny seja fiendrianan'i Davida eo. Laha neminao, ny fatianao dia hariena amin'ny hegn'andro sy amin'ny fanalan'ny aligna egne. 31Fa hisajiko anao, ny taraakao, ary ny mpanomponao nohon'ny helokareo abiaby. Handako aminao eo, amin'ny mponin'gni Jerosalema abiaby, ary amin'ny olon'i Joda abiaby eo ny loja abiaby jay efa nandrahognako anareo, nefa tsy nitandremanareo mihintsy."32Ka nangala horognan-tarasy hafa i Jeremia ary nameny an'i Baroka janaka lahin'i Neria mpanora-dalàna jane. Nisoratan'i Baroka tamin'ijane ny jaka abiaby jay tamin'ny horognn-taratasy nirôn'ny Joiakima mpanjakan'i Joda tamin'ny fanognonan'i Jeremia. Ary bola nampieny jaka rahabe hafa mitovitovy tamin'itoy horognan-taratasy toy.
Chapter 37

1Ary i Zedekia janaka lahin'i Josia dia nanjaka tamin'ny toeran'i Jekonia janak'i Joiakima. Nebokadnezara mpanjakan'i Babylona no nanao an'i Zedekia ho mpanjaka tamin'ny tanin'i Joda teo. 2Fa i Zedekia, ny mpanompone, sy ny vahôkan'ny tany dia tsy niteno ny jakan'i Yaveh jay nambarany tamin'ny alalan'ny tagnan'i Jeremia mpaminagny.3Ary Zedekia mpanjaka, Jehokala janaka lahin'i Selemia, ary Zefania janak'i Mahaseia mpisorogna dia nandefa hafatra hôn'i Jeremia mpaminagny. Hoy areo: "Mivavaha amin'i Yaveh Andremanitsena hôtsena." 4Ary avy i Jeremia ka nandeha teo amin'ny vahôka, satria bola tsy natao an-dragnomejigna ijy. 5Avy hat-Egypta ny tafik'i Farao, ary ny Kaldeana jay nanao fahirano an'i Jerosalema dia naharegny ny vôvao momba an-dreo ka niala tao Jerosalema.6Dia avy tamin'i Jeremia mpaminagny ny jakan'i Yaveh, manao hoe: 7"Yaveh, Andremanitr'Israely, milaja anijao: Jao no lajainareo amin'ny mpanjakan'i Joda, satria nandefa anareo hila hevitra tAminahy ijt; 'Ito, fefa an-dalagna hipody agny Egypta, jay taniny ny tafik'i Farao, jay avy hitahy anao. 8Ary hipody ny Kaldeana. Hiady hanohitra an'itoy tanàna toy areo, nanambotra, sy hagnoro anijane.9Hoy Yaveh hoe: "Aja mamitaka ny tegnanareo amin'ny filajana hoe: 'Efa anay tokôtra ny Kaldeana,' fa tsy handao areo. 10Na diefa naharesy ny tafiky ny Kaldeana manontolo jay niady taminareo aja anareo ba ho lelahy vôratra mandy no havela amin'ny lainy ao, fa hiarigna areo ary hagnoro itoy tanàna toy."11Ka tamin'ny nandôjan'ny tafikin'ny Kaldeana an'i Jerosalema no neven'ny tafik'i Farao, 12dia nivôka ta-Jerosalema i Jeremia ba hômin'ny tanin'i Benjamina. Fa nieritreritra hangala ny ampahany amin'ny tany tamin'ny vahôkany tao ijy. 13Laha tamin'ny vavahadin'i Benjamina ijy, dia teo ny lehiben'ny mpiambigna. Jiria janak'i Selemia janak'i Hanaia negnarane. Nitagna an'i Jeremia mpaminagny ijy ka nanao hoe: "Milefa ny Kaldeana anao."14Nefa hoy Jeremia: "Tsy marina jany. Tsy milefa ny Kaldeana aho." Fa tsy niteno anajy i Jiria. Nalainy i Jeremia ary nandany tamin'ny manam-pahefana teo. 15Vignitra tamin'i Jeremia ny manam-pahefanaa. Nivilejin-deo ijy sady nampidiriny tan-dragnomejigna tao, jay tragnon'i Jonatana mpanora-dalàna, satria navadi-dreo ho tragno-mejigna jane.16Ka natao tamin'ny efitra ambanin'ny tany tao i Jeremia, jay nabela tao andro bebe. 17Ary nandefa olo hitondara anajy an-dapa i Zedekia mpanjaka. Nagnotany anajy mangingigna ny mpanjaka tan-dragnony tao hoe: "Misy jaka hatamin'i Yaveh ve?" Namaly i Jeremia hoe: "Misy jaka: hatolotra an-tagnan'ny mpanjakan'ny Babylona eo anao."18Dia hoy i Jeremia tamin'i Zedekia Mpanjaka: "Aôna no nanotako taminao, ,y mpanomponao, na itoy vahôka toy ka dia nagnavilanao anahy tan-dragnomejigna? 19Aja ny mpaminagninareo, jay naminagny hônao sy nilaja fa tsy ho avy hanohitra anao na itoy tany toy ny mpanjakan'i Babylona? 20Fa amijao mitenoa, ry mpanjaka tmpoko! Ôka avy agnatrehanao eo ny fitalahôko. Aja ampody an-dragnon'i Jonatana mpanora-dalàna agny aho, fa ho faty agny aho."21Ka hagnome beko i Zedekia Mpanjaka. Nitanan'i mpanompony tamin'ny kianjan'ny mpiambigna teo i Jeremia. Name mofo isan'andro hatamin'ny lalan'gny mpanao mofo eo ijy, mandra-pahalanien'ny mofo abiaby tan-tanàna. Ka dia nitoboka tan-kianjan'ny mpiambgna i Jeremia.
Chapter 38

1Naharegny ny jaka jay nambaran'i Jeremia tamin'ny vahôka abiaby i Safatia janak'i Matana, sy Gedalia janak'i Pasora, sy Jokala janak'i Semelia, ary i Pasora janak'i Malkia. Ijy dia nilaja hoe: 2"Yaveh nilaja anijao: Ijay rehetra mipetraka amin'itoy tanàna toy dia ho matin'ny mesa, mosare, ary areti-mandringagna. Fa jay rehetra mandeha agny amin'ny Kaldeana dia ho velogna. Hagnavotra ny aigny ijy, ary ho veogna. 3Jao no lajain'i Yaveh: Itoy tanàna toy dia hatolotra eo an-tagnan'ny tafikin'ny mpanjakan'i Babylona, ary hanambotra anijany ijy."4Ka hoy ny manam-pahefana tamin'ny mpanjaka: "Ôka ho faty itoy lelahy toy, fa tami'ijany fomba jany no nagnalefahany ny tagnan'ny lelahy mpiady nivela amitoy tanàna toy ato, ary ny tagnan'ny vahôka abiaby. Magnambara an'itoy jaka toy ijy, fa tsy niasa hiaro ny vahôkany itoy lelahy toy, fa hôn'ny loja." 5Ka hoy i Zedekia Mpanjaka: "Ito, an-tagnanao eo ijy satri tsisy mpanjaka afaka manohitra anao."6Ary nalain-dreo i Jeremia ka natsipiny tamin'ny famoren-dranon'i Malkia, janaka lahin'ny mpanjaka. Takianjan'ny mpiambigna mako ny famoren-drano. Nampignin-dreo tamin'ny tady i Jeremia. Tsy nisy rano tamin'ny famoren-drano tao, ka namotaka jane, kadie nilentika tamin'ny fotaka tao ijy.7Ary Ebeda-Meleka Kosita dia raika tamin'ny tandapa tamin'ny tragnon'ny mpanjaka tao. Tenoy fa natan-dreo tagnaty famoren-drano tao i Jeremia. Ary nitoboka tamin'ny vavahadin'i Benjamina ny mpanjaka. 8Ka nandeha hatandragnon'ny mpanjaka i Ebeda-meleka ary nivoria taminaje. Hoy ijy: 9"Ô mpanjaka tompoko, ito lelahy ito diefa nanao ratsy tamin'ny fomba nitondrany an'i Jeremia mpaminagny. Natsipin-dreo tagnaty famoren-drano ijy ba fo mati-mosary ao, satri tsisy rahanina koa ao amin'ny tanàna."10Dia nagnome beko an'i Ebeda-Meleka Etiopianina ny mpanjaka. Hoy ijy: "Mitondrà lelahy telopolo hatety ary avoahy hatagnatin'ny famoren-drano i Jeremia alohan'ny hafatesane." 11Ka nitondra jay lelahy nijakain'ny mpanjaka jay ijy ary nandeha agny amin'ny tragnon'ny fagnatsarejana akanjo tambanin'ny tragno tao. Tao ijy no nangala lamba rota sy voro-damba sady nampidigna an-dreo tamin'ny tady ramin'i Jeremia tami'ny famoren-drano tao.12Hoy i Ebeda-Meleka Kosita tamin'i Jeremia: " Atôvy ambanin'ny sandrinao sy amin'ny lohan'ny tady eo ny lamba rota sy ny vori-damba." Ka natan'i Jeremia jane. 13Dia nisitonin-dreo tamin'ny tady i Jeremia. Jany no fomba namoahan-dreo anajy tamin'ny famoren-drano tao. Ka nibela tan-tokotanin'ny mpiambigna teo i Jeremia.14Nandefa jaka i Zedekia Mpanjaka ary nitondra an'i Jeremia mpaminagny nandeha aminaje, hôn'ny fidirana fahatelo amin'ny tragnon'i Yaveh ao. Hoy ny mpanjaka tamin'i Jeremia: "Te hagnotany raha anao aho. Aja avony anahy ny valine." 15Hoy i Jeremia tamin'i Zedekia: "Laha mamaly anao aho, dia hamona anaky tokôtra ve anao? Kanefa laha magnome torohevitra anao aho, dia tsy hiteno anahy anao." 16Nefa nieniegna manokagna tamin'i Jeremia ny mpanjaka ary nijaka hoe: "Laha bola velogna koa i Yaveh, jay nahary antsena, dia tsy hamono anao aho na hanolotra anao an-tagnan'ny lelahy jay mifofo ny aignao io."17Ka hoy i Jeremia tamin'i Zedekia: "Yaveh, Andremanitra tompon'ny rehetra, Andremanitr'Israely nilaja anijao: "Laha miala amin'ny manam-pahefana ny mpanjakan'i Babylona anao dia ho velogna, ary tsy ho may itoy tanàna toy. Ho velogna anao sy nenkohonanao. 18Fa laha tsy miala amin'ny manam-pahefan'ny mpanjakan'i Babylona anao, dia hatolotra antagnan'i Kaldeana eo itoy tanàna toy. Hirôn-èdreo jane, ary tsy ho afaka hilefa an-tagnan-dreo eo anao."19Hoy i Zedekia Mpanjaka tamin'i Jeremia: "Kanefa matahotra ny vahôkan'i Joda jay nilefa nandeha amin'ny Kaldeana aho, satria mety hatolotra an-tagnan-dreo eo ba hiiravirain-dreo aho."20Hoy i Jeremia: "Areo dia tsy hanolotra anao amin-dreo eo. Ekeo ny hafatr'i Yaveh jay nilajaiko anao, ba handeha tsara ny java-drehetra hônao, ary ba ho velogna anao. 21Fa laha mandà ny hiala anao, dia jao no efa natoron'i Yaveh taminahe.22Ito! Ny viavy abiaby jay mivela an-dragnonao a, ry mpanjakan'i Joda, dia hanadao hiala amin'ny manam-pahefan'ny mpanjakan'i Babylona. Hijaka aminao io viavy rahabe io hoe: 'Vôfitaky nekamanao anao; efa nanimba anao areo. Amijao dia milentika agnaty fotaka ny hongotrao, ary ny akamanao dia hilefa.' 23Fa handao hiala amin'ny Kaldeana eo ny vady aman-janakao abiaby, ary anao dia tsy hoa afaka an-tagnan-dreo egne. Ho vôsambotry ny tagnan'ny mpanjakan'i Babylona anao, ary itoy tanàna toy dia ho mae."24Dia hoy i Zedekia tamin'i Jeremia: "Aja ampahafantarina an'ija an'ija ny mahakasika io jaka io, ba tsy ho faty anao." 25Laha regnin'ny manam-pahefana fa nivoria taminao aho,, ary laha avy areo ka milaja amiano hoe: 'lajao aminay jay nilajainao tamin'ny mpanjaka, ary aja avony anay jane, laha tsy jany dia hivoninay anao', 26dia tsy mentsy hijaka an-dreo anao hoe: 'Nagnano fangatahana tagnatrehan'ny mpanjaka teo aho ba tsy hagnampodianany anahy an-dragnon'i Jonatana agny ka ho faty agne."'27Dia avy tamin'i Jeremia ny manam-pahefana abiaby ary nagnotany anaje, ka namaly an-dreo araka jay natoron'ny mpanjaka anajy ijy. Ka niegnina nivoria taminajy areo, satri tsy naharegny ny vorian'i Jeremia sy ny mpanjaka. 28Noho jany dia nivela tan-kianjan'ny mpiambigna teo i Jeremia nandra- pahatongan'ny andro nanamborana an'i Jerosalema.
Chapter 39

1Tamin'ny taogna fahasivy sy volagna faha folo nanjakan'i Zedekia mpanjakan'i Joda, dia lasa niaraka tamin'ny tafigny abiaby i Nebokadnezara mpanjakan'i Babylona hanohitra an'i Jerosalema ka hanao fahirano anijane. 2Tamin'ny taogna faha raika ambin'ny folo sy volagna fahefatra nanjakan'i Zedekia, tamin'ny andro fahasivin'ny volagna, dia vôfitaka ny tanàna. 3Dia avy ka nitoboka tagnivon'ny vavahady teo ny manam-pahefan'ny mpanjakan'i Babylona abiaby: Nergala-Sarezera, Samganebo, ary Sarsekima, manam-pahefana lehibe raike. I Nergala-Sarezera dia manam-pahefana ambony ary ny ambany abibay dia manam-pahefan'ny mpanjakan'i Babylona.4Ary laha nahita an-dreo Zedekia, mpanjakan'i Joda, sy ny lelahy mpiadiny abibay, dia nilefa. Nivôka ny tanàna hatamin'ny lalan-kelin'ny zaridaigna teo areo aligna nigne, tamin'ny vavahady agnelagnelan'ny manda rolahiteo teo. Nivôka nijotra nandeha a Araba ny mpanjaka. 5Nefa nagnenjika an-dreo ny fitaka Kaldeana ary nahatratra an'i Zedekia tamin'ny lemaky ny lohasahan'ny Reniranon'i Jordana narivo an'i Jeriko teo. Dia nisamborin-dreo ijy ka nandany niakatra tagny amin'i Nebokadnezara, mpajankan'i Babylona, ta-Ribla tamin'ny tanin'i Hamata, jay nagnomejan'i Nebokadnezara sajy anaje.6Nivonin'ny mpanjakan'i Babylona ta-Ribla tamasony mihintsy ny janaka lahin'i Zedekia. Nivoniny hiany koa ny olo ambonin'i Joda abiaby. 7Dia nilorany ny mason'i Zedekia ary nifihejiny gadra varahigna ba hitondrany anajy a Babylona.8Dia nirôn'ny Kaldeana ny tragnon'ny mpanjaka sy tragnon'ny vahôka. Nalavon-dreo koa ny mandan'i Jerosalema. 9Nebozaradana, mpifehin'ny mpambigna manokan'ny mpanjaka, nanao an-sesitany ny vahôka sisa jay nivela tan-tanàna tao. Tagnatin'ijany ny olo abiaby jay nilefa tagny a Kaldeana sy ny vahôka sisa jay nivela tao an-tanàna. 10Fa navelan'i Nebozaradana mpifehin'ny mpiambigna manokan'gni mpanjaka hibela amin'ny tanin'i Joda ao koja ny olo mahantra indrindra tsy managna na ino na ino hôn-dreo. Nameny tanim-bôloboka sy saha tamin'io andro io hiany areo.11Nagnome beko momba an'i Jeremia tamin'i Nebokadnezara mpifehy ny mpiambigna manokan'gny mpanjaka Nebokadnezara mpanjakan'i Babylona. Hoy ijy hoe: 12"Andôsy ijy sady karakaray. Aja manao ratsy aminaje. Atôvy aminajy jay rehetra jalainy aminao." 13Ka nandefa olo i Nebozaradana mpifehin'ny mpiambigna manokan'gny mpanjaka, Nebosazbana ionoka ambony, Negarala-Sarezera manam-pahefana ambone, ary ny manam-pahefan'ny mpanjakan'ny Babylona ambony indrindra 14Nandan'ny lelahy nenga hatamin'ny tokotanin'ny mpiambigna i Jeremia sady nankinin-dreo tamin'i Gedalia janak'i Ahikama janak'i Safana, ba hitondra anajy hody, ka die nitoboka tamin'ny vahôka teo i Leremia.15Ary avy tamin'i Jeremia ny jakan'i Yaveh tam-panamborana anajy tan-tokotanin'ny mpiambigna teo, nanao hoe: 16"Mivoriana amin'i Ebeda-Meleka Kosita ary atôvy hoe: 'Jao no lajain'i Yaveh tompon'ny rehetra, Andremanitr'Israely: Ito, efa hagnatanteraka ny jakako nanohitra an'itoy tanàna toy hômin'ny loja fa tsy hômin'ny soa Aho. Fa ho tanteraka alohanareo eo aby ny amin'ijany andro jane.17Fa hamonjy anao Aho amin'ijany andro jane__jany no fagnambaran'i Yaveh--ary tsy hatolotra an-tagnan'ny olo eo jay atahoranao anao. 18Fa hagnavotra anao tokôtra aho. Tsy ho lavon'ny mesa anao. Hagnavotra ny aignao anao, satria matoky Anahy__jany no fagnambaran'i Yaveh."'
Chapter 40

1Avy tamin'i Jeremia ny jaka hatamin'i Yaveh tafaran'ny nagnafahan'i Nebozarada jay mpifehin'ny mpambigna ny mpanjaka anajy ta-Rama. Nahita an'i Jeremia fôfehy rojo vy tamin'ny gadran'i Jerosalema aniany abiaby sy Joda jay nandao natao sesitany ta-Babylona. 2Ny lehiben'ny mpiambigna nangala an'i Jeremia ary nanao taminajy hoe: "Nandidy anijao loja jao hôn'itoy toerana toy i Yaveh Andremanitrao.3Ka nagnantateraka jany i Yaveh. Nanao araka jay nambarany ijy, satria anaoreo ry vahôka dia nanota taminajy ary tsy nankato ny feone. Jany no antom-pisien'ijao raha jao aminareo ry vahôka. 4Fa ito amijao, magnafaka anao amin'ny rojo jay an-tagnanao egny aho niany. Laha ny tieko die ny hiaraka aminahy hô Babylona, dia andao, ary hikarakara anao aho. Fa laha tsy tsy tienao koja ny hiaraka aminahy hô Babylona, dia aja atao jane. Jerevo ny tany abiaby alohanao anao. Ka mandihana amn'ijay tsara jay mety amasonao eo."5Laha tsy namaly Jeremia, dia hoy Nebozaradana hoe: "Mandihana amin'i Gedalia janaka lahin'i Ahikima janaka lahin'i Safana, jay nampiandraketin'ny mpanjakan'i Babylona ny tanànan'i Joda. Miara mipetraka aminajy amin'ny vahôka na mandihana amijay tienao handihanana agne." Nagnome rahanina sy fagnomejana hônijay ny mpifehy ny mpiambigna ny mpanjaka, ary aviteo dia nandefa ijy. 6Ka dia nandeha tagny amin'i Gedalia janaka lahin'i Ahikima, tsny Mizpa i Jeremia. Niara-nipetraka taminajy tamin'ny vahôka jay sisa velogna tamin'ny tany teo ijy.7Ary laha bola tambanivolo ny mpifehin'ny miaramila Jodeana--ijy sy ny olone__dia naharegne fefa nanao an'i Gedalia janaka lahin'i Ahikima, ho governoran'ny tany ny mpanjakan'i Babylona Regnin-dreo hiany koa fefa nampendreketiny an-dreo lelahy, ny viavy, ary ny jaja jay olo mahantra indrindra teo amin'ny tane, ijay tsy natao sesitany ta-Babylona. 8Ka dia nandeha tagny amin'i Gedalia tagny Mizpa areo. Io lelahy io dia Ismaela janaka lahin'i Netania; Johanana sy Jonatana, janaka lahin'i Karea; Seraia janaka lahin'i Tanometa; io janaka lahin'i Efay Neofatita; ary Jazania janaka lahin'ny Makatia areo sy ny olone.toboha amin'ny tany eo9Gedalia janaka lahin'i Ahikima janaka lahin'i Safana dia nanao fiaignana tamin-dreo sy ny olony sady nanao tamin-dreo hoe: "Aja matahotra ny hanompo ny manampahefan'ny Kaldeana. Mitoboha amin'ny tany eo ka tompoy ny mpanjakan'i Babylona, ary hahita soa anareo. 10Ito, honigna a Mizpa aho ba hihaogna amin'ny Kaldeana jay avy tamintsena teto. Ka mamokara divay, voka-pahavaratra, sy diloilo ary atsarejo amin'ny fagnatsarejanareo ao io. Mipitraha amin'ny tanàna jay efa nisy anareo."11Ary ny Jiodeana abiaby ta-Moaba, tamin'ny vahôkan'i Amona, sy ny ta-Edoma, ary jay tamin'ny tany abiaby dia naharegny fa namela ny joda sisa nivela hijanogna ny mpanjakan'i Babylona, jay nanendry an'i Gedalia janaka lahin'i Ahikima janaka lahin'i Safana tamin-dreo teo. 12Ka dia nipody hatamin'ny toerana jay nagnaparitahany hata-Jodeana abiaby, hô-Gedalia ta-Mizpa. Namokatra divay sy voka-pahavaratra rahabe areo.13Johanana janaka lahin'i Karea sy ny mpifehy tafika abiaby tan-saha avy tamin'i Gedalia ta-Mizpa. 14Hoy areo taminajy hoe: "Sa fantatrao ve fa i Balisa mpanjakan'ny vahôkan'i Amona no nandefa an'i Ismaela janaka lahin'i Netania ba hamono anao?" Kanefa i Gedalia janaka lahin'i Ahikima tsy nino an-dreo.15Ka dia nijaka mangigna tamin'i Gedalia i Johanana janaka lahin'i Karea sady nanao taminajy hoe: "Mamelà anahy handeha hamono an'i Ismaela janaka lahin'i Netania. Tsy hisy hiahiahy anahe. Nahôna ijy no hamono anao? Nahôna no navela hiparitaka ny Joda abiaby jay efa nivory taminao teo ary jay sisa nivela ta-Joda abiaby ho rava?" 16Fa Gedalia janaka lahin'i Ahikama nijaka tamin'i Johana janaka lahin'i Karea hoe: "Aja manao anijany raa jane, fa mempanga vandy momban'i Ismaela anao."
Chapter 41

1Ary tamin'ny volagna fahafito dia avy tamin'i Gedalia janak'i Ahikama tagny, ta-Mizpa i Isimaela janak'i Netania janak'i Elisama, hatamin'ny fenakaven'ny mpanjaka, sy ny sasagny tamin'ny manamboninahitry ny mpanjaka__olo folo no niaraka taminaje. Niara nihinagna rahanina ta-Mizpa areo. 2Fa Isimaela janak'i Netania, ary ny olo folo jay niaraka tamnajy dia nitsangagna ary nanafika an'i Gedalia janak'i Ahikima janak'i Safana, tamin'ny mesa. Nivonin'i Ismaela i Gedalia, jay napetraky ny mpanjakan'i Babylona hendrekitra ny tane. 3Ary nivonin'ny Isimaela ny jiosy abiaby jay niaraka tamin'i Gedalia ta-Mizpa sy ny Kaldeana mpiady hita tao.4Ary avy ny andro faharoa tafaran'ny namonôna an'i Gedalia, nefa tsy nisy nahalala. 5Ny sasagny tamin'ny olo dia avy hata-Sekema, hata-Silo, ary ha-Samaria__olo valopolo jay nagnarata ny volombavane, nandritra nekanjone, ary nandidy ny tegnany__niaraka tamin'ny fagnatitra hoanina sy emboke magnitra tan-tagnan-dreo tegny ba handihanana amin'ny tragnon'i Yaveh ao.6Ka niala ta-Mizpa i Isimaela janak'i Natania ba hitsena an-dreo tam-pandihanana, sady nitomagny. Ary laha nihaogna tamin-dreo igny ijy, dia hoy ijy tamin-dreo hoe: "Mandihana amin'i Gedalia janak'i Ahikima agne!" 7Ary laha avy tan-tanàna areo, dia nivonin'i Isimaela janak'i Netania sady nariene tan-kady tao areo, ijy sy ny olo niaraka taminaje.8Kanefa nisy olo folo tamin-dreo nilaja tamin'i Isimaela hoe: "Aja mamono anay, fa misy vatsinay an-saha agne: vary hordea, menaka sy tintely." ka tsy nivoniny niaraka tamin'ekamany hafa areo. 9Ny famoren-drano jay nandatsahan'i Isimaela ny maty abiaby jay nivonine, dia famoren-drano angeja be jay nihadin'i Asa Mpanjaka ho fivorena hanoherana an'i Basa mpanjakan'ny israely. Nifenoin'i Isimaela janak'i Natania an'ijay faty jane.10Aviteo nigne die nisamborin'i Isimaela jay olo abiaby jay ta-Mizpa, ny janaka vavin'ny mpanjaka sy ny olo abiaby jay sisa nivela ta-Mizpa jay efa nitendren'i Nebozaradana lehiben'ny mpiambigna hôn'i Gedalia janak'i Ahikima. Ka nanambotra an-dreo i Isimaela janak'i Natania ary nandeha nanavasava tamin'i Amona teo.11Fa i Johanana janak'i Karea sy ny mpifehin'ny tafika niaraka taminaje dia naharegny ny loja abiaby jay natan'i Isimaela janak'i Natania. 12Ka nalain-dreo ny olo abiaby ary nandany hiady hanohitra an'i Ismaela janak'i Natania. Hitan-dreo tamin'i dobo lehiben'i Gibeona tagny ijy.13Ary laha hitan'ny olo abiaby jay niaraka tamin'i Isimaela i Johanana janak'i Karea sy ny mpifehin'ny tafika abiaby niaraka taminaje, dia tena fale areo. 14Ka nitodika ny olo abiaby jay nisamborin'Ismaela ta-Mizpa ka nandeha tamin'i Johanana janak'i Karea tagne.15Fa nilefa niaraka tamin'ny lelahy valo hata-Johanana i Isimaela janak'i Netania. Nandeha amin'ny vahôkan'i Amona ijy. 16Nalain'i Johanana janak'i Karea hata-Mizpa jay olo abiaby jay nagnavotana tamin'i Isimaela janak'i Netania. Jany dia tafaran'ny namonôn'Isimaela an'i Gedalia janak'i Ahikima. Nangala ny lelahy mahere, ny lelahy mpiady, ny jaja sy viave, ary ny tandapa jay avotra ta-Gibeon tao i Johanana sy nekamane.17Dia nandeha areo ka nitoboka fotôgna kelikele ta-Gerota Kimama, jay narivo an'i Betlehema. Nandeha tEgypta areo noho ny Kaldeana. 18Areo dia natahotra an-dreo satria nivonin'i Isimaela janak'i Netania i Gedalia janak'i Ahikima, jay nampiendreketin'ny mpanjaka ny tane.
Chapter 42

1Dia nagnantogna an'i Jeremia mpaminagny ny mpifehy tafika abiaby sy i Johanana janaka lahin'i Karea, Jazania janaka lahin'i Hosaia, sy ny vahôka abiaby banomboka tamin'ny kely indrindra ka hatamin'ny lehibe. 2Hoy areo taminajy hoe: "Ôka ho avy agnatrehanao ny talahonay. Mivavaha hônay amin'i Yaveh Andremanitrao noho ny vahôka sisa io satria vitsy anisa lôtra ahay, arak'ijao hitanao jao. 3Lajay i Yaveh Andremanitrao ba hijaka aminay ny lalagna tokony handihananay sy jay tokony hatanay."4Ka dia hoy Jeremia mpaminagny tamin-dreo hoe: "Efa regniko anareo. Ito, hivavaka amin'i Yaveh Andremanitrareo araka jay efa nangatahinareo aho. Na ino na ino havalin'i Yaveh, dia hijakaiko aminareo. Tsy hitagna na ino na ino aminareo aho." 5Hoy areo tamin'i Jeremia hoe: "Yaveh anie ho vavolombelogna marina sy tsy mivadika hôtsena laha tsy manao jay abiaby lajain'i Yaveh Andremanitrao hatanay ahay." 6Na ho tsara na ho ratsy jane, dia hankato ny feon'i Yaveh Andremanitray ahay, jay hagnirahanay anao, ba hahasoa anay laha mankato ny feon'i Yaveh Andremanitray ahay."7Tamin'ny fefaran'ny andro fahafolo, dia avy tamin'i Jeremia ny jakan'i Yaveh. 8Ka dia nangaika an'i Johanana janaka lahin'i Karea sy ny mpifehy tafika miaraka aminajy abiaby i Jeremia, ary ny vahôka abiaby nanomboka tamin'ny kely indrindra ka hatamin'ny lehibe. 9Dia hoy ijy tamin-dreo hoe: "Jao no lajain'i Yaveh, jay Andremanitr'Israely__jay nagnirahanareo anahy ba afahako mametraka ny talohanareo agnatrehany eo___manao hoe: 10"Laha mipody sy mipetraka etto amitoy tany toy anareo, dia hagnarigna anareo Aho fa tsy hamotika anareo; hamboly anareo Aho fa tsy hamotika anareo; hamboly anareo Aho fa tsy hagnavotra anareo, fa hangala ny loja jay efa nandako taminareo teo Aho.11Aja matahotra ny mpanjakan'i Babylona, jay atahoranareo. Aja matahotra anaje__jany no fagnambaran'i Yaveh--satria Aho momba anareo ba hamonjy sy hagnavotra anareo an-tagnany egne. Fa Aho hagnome anareo famindra-po. 12Hanagna fangoraham-po aminareo Aho, ary Aho hitondra anareo hipody amin'ny taninareo.13Nefa laha hoy anareo hoe: "Tsy hitoboka eto amitoy tany toy ahay"__laha tsy miteno ny feoko, jay feon'i Yaveh Andremanitrareo anareo. 14Laha hoy anareo hoe: "Tsia! Handeha hômin'ny tany Egypta ahay, jay tsy hahitanay ady, jay tsy haharignesanay ny feon'ny antsiva, ary tsy ho tehinan-kanina aahy. Hipetraka agny ahay."15Amijao mitenoa jao jakan'i Yaveh jao, anareo jay sisan'i Joda. Yaveh Tompon'ny rehetra, Andremanitr'Israely, dia milaja hoe: "Laha handeha hô-Egypta tokôtra anareo, handeha sy hipetraka agne, 16dia hagnenjika anareo amin'ny tany Egypta ny mesa jay atahoranareo agne. Hagnaraka anareo agny ny mosary jay ahinareo, ka ho faty agny anareo. 17Ary ny lelahy abiaby jay nenga Egypta ba hipetraka agny dia ho fatin'ny mesa, mosare, na areti-mandringagna. Tsy hisy velogna areo, tsy hisy ho afa-milefa ny fahavoajana jay andako areo.18Fa milaja anijao Yaveh Tompon'ny rehetra, Andremanitr'Israely, hoe: "Hôtran'ny fandatsahako ny havignirako tamin'ny mponin'gni Jerosalema, dia hôtran'ijany koa ny fomba hidignan'ny fahavignirako aminareo laha mandeha Egypta anareo. Ho lasa java-pagnojognana sy horohoro anareo, raha hijakana ojogna, ary raha tsy mendrike, ka tsy ho hitanareo koa jao toerana jao."' 19Dia hoy i Jiramia hoe: "Yaveh diefa nijaka mahakasika anareo__anareo jay sisan'i Joda. Aja mandeha a Egypta! Fantatrareo tokôtra fefa vavolombelognareo Aho niany.20Fa namitaka mafy ny tegnanareo anareo laha nandefa anahy hoagny amin'i Yaveh Andremanitrareo ka hijaka hoe: 'Mivavaha amin'i Yaveh Andremanitsena hônay. Jay abiaby lajain'Andremanitra, dia jakay anay, ary dia hitanterahinay jane.' 21Fefa nitateriko taminareo ninay, nefa anareo tsy ba niteno ny feon'i Yaveh Andremanitrareo na tamin'ny raha momba jay nagnirahany anahy hôminareo. 22Ka amijao, tokony ho fantatrareo tokôtra fa ho fatin'ny mesa, mosare, ary areti-mandringagna anareo amin'ny tany jay irinareo hipitrahana agne."
Chapter 43

1Ary nifaragna ny fagnambaran'i Jeremia ny jaka abiaby an'i Yaveh Andremani-dreo jay nilajainy taminajy ba ho jakany amin'ny vahôka abibay. 2Azaria janaka lahin'i Hosaia, Johanana janaka lahin'i Karea, ary ny olo miavognavogna abiaby dia nijaka tamin'i Jeremia hoe: "Milaja vandy anao. Yaveh Andremanitray dia tsy nagniraka anao hilaja hoe: 'Aja mandeha mipetraka a Egypta.' 3Fa i Baroka janaka lahin'i Neria dia nangaika anao hanohitra anay ba hagnafaka anay an-tagnan'ny Kaldeana eo, satria anao no mahatonga ny fahafatesanay ary manao anay ho gadra a Babylona."4Ka nandà ny hiteno ny feon'i Yaveh ba hipetraka aminajy amin'ny tanin'i Joda i Johanana janaka lahin'i Karea agne, ny andrien'ny tafika abiaby, ary ny vahôka abiaby. 5Johanana janaka lahin'i Karea sy ny lehiben'ny tafika abiaby dia nitondra jay nivela abiaby tamin'i Joda jay nipody hatamin'ny fireena abiaby tamijay nagnaparitahana an-dreo ba hipetraka amin'ny tanin'ny Joda. 6Nalain-dreo ny lelahy sy viave, ny jaja sy ny janaka vavin'ny mpanjaka, ary ny olo abiaby jay navelan'i Nebozaradana, mpifehy ny mpiambin'gny mpanjaka tamin'i Gedalia janaka lahin'i Ahikima janaka lahin'i Safana. Nalain-dreo hiany koa i Jeremia mpaminagny sy i Baroka janaka lahin'i Neria. 7Nandeha agny amin'ny tany Egypta areo, a Tapanesa, satria areo dia tsy niteno ny feon'i Yaveh.8Ka avy tamin'i Jeremia ny jakan'i Yaveh ta-Tapanesa, nanao hoe: 9'Mandresa vato lehibebe rahabe amin'ny tagnanao, ary, avonio amason'i vahôkan'i Joda amin'ny fetan'ny rarivato amin'ny fidirana agny amin'ny tragnon'i Farao a Tapanesa eo." 10Ary lajay an-dreo hoe: 'Yaveh Tompon'ny rehetra, Andremanitr'Israely, milaja anijao: 'Ito, handefa iraka hangala an'i Nebokadnezara mpanjakan'i Babylona hôtran'ny mpanompoko Aho. Hapetrako amin'io vato io ny seja fiandriagnany jay nalevignao, ry Jeremia. Hagnavela ny lainy amin-dreo eo i Nebokadnezara.11Fa ho avy ijy sady hanafika ny tanin'i Egypta. Jay vôtendry ho faty dia hatolotra hivonina. Jay vôtendy ho gadra dia hotratra gadra. Jay vôtendry hômin'ny mesa dia hame ny mesa. 12Dia handrehitra afo amin'ny tempolin'ny andremanitr'i Egypta eo aho. Nebokadnezara dia handoro an-dreo na hanambotra an-dreo. Handio ny tanin'i Egypta hôtran'ny mpiambigna ondry mandio ny bibikely amin'ny ankajon-dreo ijy. Dia hivôka amin'ijany toerana jany amin'ny fandresena ijy. 13Hamotika ny tsangam-bato a Neoolosia amin'ny tanin'i Egypta agny ijy. Hagnoro ny tempolin'ny andremanitr'i Egypta ijy."'
Chapter 44

1Ny jaka jay avy tamin'i Jeremia mahakasika ny Jiosy abiaby jay nipetraka tamin'ny tany Egypta tagne, dia ny olo jay nipetraka tao Migdola, Tapanesa, Memfisa ary tao amin'ny tany Patrosa. 2"Yaveh Tompon'ny rehetra, Andremanitr'Israely, manao anijao: Anareo mihintsy no efa nahita ny loja abiaby jay nandako tamin'i Jerosalema sy ny tanànan'ny Joda abiaby. Ito, rava areo amijao. Tsisy olo mipetraka amin-dreo ao. 3Jany die nohon'ny raha ratsy natan-dreo ba hanafantohigna Anahy tamin'ny nandihanany nagnoro ditin-kajo magnitra sy ny nanompôny nEndremani-kafa. Io dia Andremanitra jay tsy fantan-dreo, na anareo, na ny rajambenareo.4Ka nirahiko matetika hômin-dreo mpanompoko mpaminagny abiaby. Nirahiko areo ba hijaka hoe: 'Abilay ny fanôvana jao raha vetaveta jay halako jao.' Nefa tsy niteno areo. 5Nandà tsy niteno areo na niala tamin'ny faharatseny tamin'ny fagnorôna ditin-kajo magnitra hôn'Endremani-kafa. 6Ka niraraka ny fahavignirako sady nandrehitra afo tamin'ny tanànan'i Joda sy ny lalan'i Jerosalema tao. Ka nanjary faharavana sy fahapotehana, hôtran'ny amijao andro niany jao io."7"Ka amijao, dia milaja anijao Yaveh Andremanitra Tompon'ny rehetra sy Andremanitr'Israely: "Nahôna no mambôtra faharatsena angeja be amin'ny tegnanareo anareo? Nahôna anareo no manao jay hahafongotra anareo amin'ny Joda__dia ny viavy sy lelahy, ny jaja vôha teraka sy ny jaja? Tsy hisy hivela aminareo. 8Tamin'ny faharatsenareo no nagnanfitohignanareo Anahy nohon'ny asan'ny tagnanareo, tamin'ny fagnorônareo ditin-kajo magnitra hôn'Endremani-kafa tamin'ny tany Egypta tagne, jay nandihananareo hipitrahana. Nandeha tagny anareo ba hirotehina, ba hagnojognana sy hangala baraka anareo amin'ny firenen'ny tany abiaby eo.9Sa ve hadignonareo ny faharatsena natan'ny rajambenareo sy ny faharatsena natan'ny mpanjakan'i Joda sy ny vadine? Sa ve hadignonareo ny ratsy natanareo sy ny vadinareo tamin'ny tanin'ny Joda sy ny lalamben'i Jerosalema tagne? 10Hatramijao, dia tsy bola nanetri-tegna areo. Tsy magnaja ny lalàko na ny didiko jay nabelako talohan-dreo sy ny rajamben-dreo teo, na mandeha amin'igne."11Noho jany Yaveh Tompon'ny rehetra, Andremanitr'Israely, dia milaja anijao: "Ito, efa hanapa-kevitra ny hagnandrigna ny tavako aminao Aho. 12Fa halaiko ny mivela amin'ny Joda jay navôka handeha hoagny amin'ny tany Egypta ba hipetraka agne. Hatako jany ba hahafatesan'ijy abiaby amin'ny tany Egypta agne. Ho lavon'ny mesa sy mosary areo. Manomboka amin'ny kely indrindra ka hatamin'ny lehibe dia ho fatin'ny mesa sy mosare. Ho faty areo ary ho lasa raha fiegnianana, fagnojognana, fandatsana, ary raha mampihorohoro.13Fa handilo ny olo monigna amin'ny tany Egypta hôtran'ny nandilovako an'i Jerosalema tamin'ny mesa, mosare, ary areti-mandringagna Aho. 14Tsy hisy hotafalefa na ho velogna jay sisan'ny Joda jay handeha ba hipetraka amin'ny tany Egypta no ho tafapoddy amin'ny tanin'i Joda ao, na dia te hipody sy hipetraka agny aja areo. Tsisy ho tafapody areo, afa tsy jay vitsy hilefa hiala eto."15Ary ny lelahy abiaby jay nahalala fa nagnoro ditin-kajo magnitra hôn'Endremanin-kafa ny vadin-dreo, sy ny viavy abiaby jay tamin'ny fengonana angeja be tao, ary ny olo abiaby jay nipetraka tamin'ny tany Egypta ta-Patrosa tagny dia namaly an'i Jeremia. 16Hoy areo: "Momba ny jaka jay nambaranao taminay tamin'ny agnaran'i Yaveh__dia tsy hiteno anao ahay. 17Fa hatanay aby ny raha abiaby jay nilajainay fa hatanay__dia hagnoro ditin-kajo magnitra hôn'ny Mpanjakavavin'ny Lagnitra ary handraraka fagnatitra nomina hônajy hôtran'ny natanay, ny rajambenay, ny mpanjakanay, ary ny mpitarikay tamin'ny tanànan'i Joda sy ny lalan'i Jerosalema tao. Die ho voky rahanina ahay ka hômbinina, no sady tsy hiharan-doja.18Laha niegnina tsy manao an'io raha io ahay, tsy nanolotra ditin-kajo magnitra hôn'ny mpanjakavavin'ny Lagnitra ary tsy nandraraka fagnatitra nomina hônaje, dia nijaly tamin'ny fahantrana ahay ary ho fatin'ny mesa sy mosare." 19Hoy ny viave: "Laha manao fagnatitra ditin-kajo magnitra alohan'ny Mpanjakavavin'ny Lagnitra ahay ary mandraraka fagnatitra nomina hônaje, sa ve hanohitra ny vadinay no nanôvanay an'io raha io, mambôtra mofomamy amin'ny endrigny ary mandraraka fagnatitra nomina hônaje?"20Dia hoy Jeremia tamin'ny vahôka abiaby__tamin'ny lelahy sy ny viave, ary tamin'ny vahôka abiaby jay namaly anaje___nagnambara ijy ka nanao hoe: 21"Sa ve tsy tsarôn'i Yaveh ny ditin-kajo magnitra jay nagnorônareo tamin'ny tanànan'i Joda tao sy ny lalan'i Jerosalema__anareo sy ny rajambenareo, ny mpanjakanareo sy ny mpitarika, ary ny mponin'gny tany abiaby? Fefa nahatsiaro anijany Yaveh; avy tagnatrehany jane.22Ka tsy jakany koa jany nohon'ny fanôvan-dratsinareo, nohon'ny fahavetavetanareo jay natanareo. Dia hanjary ho lao, ho horohoro, ary ho ojogna ny taninareo ba tsy hisien'ny mponigna hôtran'ijao andro niany jao koa. 23Satria nagnoro ditin-kajo magnitra ary nanota tamin'i Yaveh anareo, ary satria tsy niteno ny feone, ny lalàne, ny fitsipigne, na ny lalàn'gny fagnekeny anareo, dia nitranga taminareo jao loja jao hôtran'ijao andro niany jao."24Dia hoy Jeremia tamin'ny vahôka abiaby sy ny viavy abiaby: "Maharignesa ny jakan'i Yaveh, ry Joda abiaby jay amin'ny tany Egypta ao. 25Yaveh Tompon'ny rehetra, Andremanitr'Israely, manao hoe: 'Anareo sy ny vadinareo diefa samy nilaja tamin'ny vavanareo ary nagnatanteraka tamin'ny tagnanareo jay nilajainareo hoe: "Hitanterahinay tokôtra ny voady jay natanay hanompôna ny Mpanjakavavin'ny Lagnitra, ba handraraka fagnatitra nomina hônaje." Amijao efao ny voadinareo; tanteraho io.'26Ka dia, maharignesa ny jakan'i Yaveh, ry Joda abiaby jay mitoetra amin'ny tany Egypta ao, 'Ito, efa nieniegnatamin'ny agnarako lehibe Aho__hoy Yaveh. Tsy hangihana amin'ny vavan'ny olon'i Joda amin'ny tany Egypta abiay ao koa negnarako, dia anareo jay mijaka amijao hoe; "Laha velogna koa ny Tompo Yaveh." 27Ito, miambigna an-dreo hômin'ny loja fa tsy hômin'ny soa Aho. Ny olon'i Joda abiaby amin'ny tany Egypta ao dia ho fatin'ny mesa sy mosary mandra-pahatapitra anajy abiaby. 28Ary ny tsy matin'ny mesa dia hipody hatamin'ny tany Egypta handeha agny amin'ny tanin'ny Joda, ny vitsy agn'isa amin-dreo mandy. Ka ny nivela tamin'ny Joda abiaby jay nandeha tamin'ny Egypta tagny ba honigna agny die hahafantatra hoe ny jakan'ija no ho tanteraka: nenahy sa nen-dreo.29Jao no ho famantarana hônareo___jany no fagnambaran'i Yaveh__fa hanohitra anareo amin'ijany toerana jany Aho, ba afantaranareo fa hamely anareo amin'ny loja tokôtra ny jakako.' 30Jao no lajain'i Yaveh: 'Ito, efa hanolotra an'i Farao-Hofra mpanjakan'i Egypta an-tagnan'ny fahavalony sy an-tagnan'ijay mifofo ny aigny eo Aho. Jany sia ho hôtran'jay nanolorako an'i Zedekia mpanjakan'i Joda tan-tagnan'i Nebokadnezara mpanjakan'i Babylona teo, ny fahavalony jay nifofo i aigne."
Chapter 45

1Itoy no jaka jay nilajain'i Jeremia mpaminagny tamin'i Baroka janaka lahin'i Neria Laha nanoratra an'ito jaka notognonin'i Jeremia ito ijy__tamin'ny taogna fahetra nanjakan'i Joikima janaka lahin'i Josia, mpanjakan'i Joda jane, ary hoy ijy hoe:2 "Yaveh, Andremanitr'Israely; dia milaja anijao aminao, ry Baroka: 3Nilaja anao hoe: 'Idiran-doja aho, satria nampen'i Yaveh fahorena ny fanentegnako Namijaka anahy ny sentoko; tsy nahita fegnenana aho'4jao no ty mentsy lajainao aminaje: 'Yaveh dia milaja anijao: Ito ho simbaiko jay namboariko Havotako jay namboleko__hatako maneragna ny tany abiaby jane. 5Fa anao ve magnentagna raha lehibe hôn'ny tegnanao? Aja magnantegna an'ijane Fa ito, loja no ho avy amin'ny olombelogna abiaby___jany no fagnambaran'i Yaveh__fa homeko anao hôtran'ny halatrao amijay abiaby handihananao egny ny fiaignanao egne'"
Chapter 46

1Jao no fagnambaran'i Yaveh jay avy tamin'i Jeremia mpaminagny mahakasika ny firenena. 2Hô Egypta: "Momban'ny tafik'i Farao-neko, mpanajakan'i Egypta jay a Karkemisy amoron'gny onin'i Eofrata jao. Itoy ny tafika jay resin'i Nebokadnezara mpanjakan'i Babylona tamin'ny fahefa-taogna nanjakan'i Joakima janaka lahin'i Josia, mpanjakan'ny Joda: 3Atôvy vognona ny ampiga kely sy lehibe, ary mandihana mandroso hiady. 4Abilao ambonin'ny sôvaly ny fediena; mekara ambonin'ny sôvaly sady reso ny tsangagnanao miaraka amin'ny aro-loha ambinine eo; rangito ny lefognao ary abilay amin'ny akanjo ferovanao eo.5Fa ino jao hitako jao? Feno tahotra areo ary milefa, satria resy ny miaramilan-dreo. Milefa handremby ferovana areo ka tsy mijery jay afara ao. Amin'ny magnodidigna abiaby egny ny horohoro__jany no fagnambaran'i Yaveh__ 6tsy afa-milefa ny olo malaky, ary tsy afa-milefa ny miaramila. Tafantohigna ta-varatra areo ary lavo narivon'ny Onin'i Eofrata.7Ija itoy miakatra hôtran'i Neily toy, jay misamboaravoara miakatra sy midigna hôtran'ny renirano ny onjane? 8Miakatra hôtran'i Neily i Rgypta, hôtran'ny onja jay miakatra sy midigna. Hoy i Egypta hoe: 'Hiakatra aho ary handrakotra ny tane. Hanimba ny tanàna sy ny mponigny aho. 9Mekara, ry sôvaly. Ôka hovignitra, anareo ry Kalesa. Ôka hivôka ny miaramila, kosy sy pota, ny lelahy manam-pahejana manokagna amin'ny fampesana ampinga, ary loda, lelahy manam-pahejana amin'ny fagninjehana ny tsipìkan-dreo.'10Tamin'io andro io no andron'ny valifatin'ny Tompo Yaveh tompon'ny rehetra, ary hamaly faty ny fahavalony hôn'ny tegnany ijy. Handrapaka ny mesa ka ho afa-po. Hinogna ny rà miboiboika an-dreo jane. Fa hisy sorogna hôn'ny Tompo Yaveh tompon'ny rehetra amin'ny tany avaratra amoron'ny Onin'i Eofrata agne.11Mekàra a Gileada ary mangalà fagnafody, ry janaka vavy virijinin'i Egypta. Tsisy dikany ny namitahanao fagnafody rahabe amin'ny tegnanao. Tsisy fagnafagna hônao. 12Naharegny ny fahafaham-barakanao ny firenena. Feno ny fitomagnenao ny tane, fa nifandogna tamin'ny miaramila raika ny miaramila raike; niara-lavo ijy rolahiteo io."13Jao no jakan'i Yaveh nilajaina tamin'i Jeremia mpaminagny laha avy sy nanafika ny tany Egypta i Nebokadnezara mpanjakan'i Babylona: 14"Abarao a Egypta ao, ary ambarao a Migdola ao, Memfisa, ary Tapanesa jane. 'Reso ny toeranao ary omagno ny tegnanao, fa handrapaka ny magnodidigna anao ny mesa.'15Nahôna ny maherinao no lavo amin'ny tane? Tsy nitsangagna areo, satria Aho, Yaveh, no nanosika an-dreo hômin'ny tane. 16Mampitombo ny isan'ny tafantohigna Ijy. Ny miaramila tsirairay dia mifandimby lavon'ny hafa. Hoy areo hoe: 'Mitsangàgna. Andao atsena hody. Andao atsena hipody amin'ny olotsena agne, amin'ny tany nahatirahatsena agne. Andao atsena hamela an'itoy mesa jay mamela atsena toy.' 17Nagnambara tany areo hoe: 'Farao mpanjakan'ny Joda dia tabataba fotsiny mandy, ny raika jay namela ny iragny ho lasa fotsine.'18Laha bola velogna koa Aho__nagnambara ny Mpanjaka, jay ny agnarany dia i Yaveh tompon'ny rehetra--dia hisy olo raika jay ho avy hôtran'ny tendrombohitra Tabara sy Tendrombohitra Karmela amoron'ny ranomasina. 19Omagno ny entagna handanareo an-sesitany agne, anareo jay mipetraka agny Egypta. Fa ho fôgna i Memfisa, hatory amin'ny faharavana ijy ary tsy hisy na ija na ija hipetraka agne.20Egypta dia aomby vavy tovovavy tokôtre, kanefa hisy bibikely manindrogna ho avy hata-varatra. Ho avy jane. 21Ny miaramila nikaramaina agnelagnelagny eo dia hôtran'ny aombilahy matave, fa areo hiany koa anefa dia hihodigna sady hilefa. Tsy hiara-hitsangagna areo, satria avy ny andron'ny loja hamely an-dreo, ny fotôn'gny sajin-dreo. 22Mifioka hôtran'ny bibilava i Egypta, ary mandady, fa ny fahalavôny koja dia mijotra hanohitra an-dreo. Mandeha amin-dreo hôtran'ny mpanapaka hajo miaraka amin'ny andrognana areo.23Hanapaka ny ala areo___jany no fagnambaran'i Yaveh__na dia mikitroka tokôtra aja jane. Fa ho rahabe noho ny valala ny fahavalo, tsy tò isaina. 24Ho afa-baraka ny janaka vavin'i Egypta. Hatolotra an-tagnan'ny vahôka hata-varatra eo ijy."25Yaveh Tompon'ny rehetra, Andremanitr'Israely, dia milaja hoe: "Ito, eo andalam-panajena an'i Amona hata-Teba agne, Farao, Egypta sy ny andemanine, ny Farao mpanjakane, ary jay matoky an-dreo Aho. 26Hatolotra an-tagnan'ijay mifofo ny ain-dreo, ary an-tagnan'i Nebokadnezara mpanjakan'i Babylona sy ny mpanompony eo. Afaran'jany dia tsy ho ajo hipitrahana hôtran'ny tamin'ny andro taloha i Egypta__jany no fagnambaran'i Yaveh.27Fa anao, ry Jakoba mpanompoko, dia aja matahotra. Aja reki-tahotra, ry Israely, fa ito, hamerigna anao hata-lavitra Aho, ary ny janakao hatamin'ny tany nampi-gadra an-dreo. Dia hipody i Jakoba aviteo, hahita fedanana, ary ho vôavo, ka tsy hisy na ija na ija hampihorohoro anaje. 28Anao, ry Jakoba mpanompoko, aja matahotra__jany no fagnambaran'i Yaveh__fa miaraka aminao Aho, ka hitondra faharavana tanteraka amin'ny firenena abiaby jay hagnilejako anao Aho. Fa tsy hanimba anao tanteraka Aho. Hijakajaka anao amijay rariny Aho ary tsy hamela anao ho afa-sajy."
Chapter 47

1Jao no jakan'i Yaveh jay avy tamin'i Jeremia mpaminagny mahakasika an'ny Filistina. Jao jaka jao dia avy taminajy talohan'ny nagnafihan'i Farao an'i Gaza. 2Yaveh dia milaja anijao: "Ito, miakatra ny tondra-drano avaratra agne. Ho hôtran'ny renirano manafotra anijane! Ary hanafotra ny tany sy ny raha abiaby amin'ijany areo ao, io tanàna sy ny mponigne jane! Noho jany ny olo abiaby dia hihieka fagnampena, ary hitomagny ny mponigna abiaby amin'ny tany ao.3Tamin'ny feon'ny fidofodofokin'ny sôvaly matanjakan-dreo, tamin'ny fieron'gny kalesan-dreo sy ny fandrignenan'igny ny dian-dreo, ny rajambe dia tsy hagnampy ny janagny noho ny fahalemen-dreo manokagna. 4Fa avy ny andro jay handravana an'ny Filistina abiaby, ba handringagna a Tyro sy Sidona ao ny sisa velogna abiaby jay te-hagnampy an-dreo. Fa Yaveh dia mandrava an'ny Filistina, jay sisa hatamin'ny nosy Kaftora.5Hoavy amin'i Gaza ny fahasolana. Laha ny amin'i Askelona, dia hampanginina ny olo jay nivela amin'ny lohasahany ao. Mandra-pahovena no handidinareo ny tegnanareo amin'ny fisôgnana? 6Eee, ery mesan'i Yaveh! Mandra-pahovena no hisien'ijany mandra-panginanareo? Miviregna ary aja mijaka. 7Aôna no ahafahanao mangigna, fa Yaveh no efa nandidy anao. Nangaika anao hanafika an'i Askelona sy hanohitra ny sesi-tany magnaraka ny ranomasina Ijy."
Chapter 48

1Hôn'i Moaba, Yaveh Tompon'ny rehetra, Andremanitr'Israely dia milaja anijao: "Loja hôn'i Nebo, fefa rava jane. Nisamborina i Kiriataima ary nalaim-baraka. Potika sy afa-baraka ny fevognany mafe. 2Tsisy koa ny voninahitr'i Moaba. Nitetika hanao loja hôn-dreo fahavalon-dreo ta-Hesbona. Hoy areo: 'Avia ôka atsena hamotika anajy hôtran'ny firenena. Ho faty hiany koa i Madmena__hagnanjaka anareo hatafara ny mesa.'3Tenoy! Avy hata-Horonaima ny feon'ny hikiaka, jay misy faharavana sy fahasimbana lehibe agne. 4Rava i Moaba. Hampaharegne ny fitaraignany ny janagne. 5Hiakatra ny haran'gni Lohita am-pitomagniena areo, fa amin'ny lalam-pidignan'i Horonaima egne, dia ho regny ny haikaika noho ny fahasimbana.6Milifasa! Vonjeo ny aignareo ary mevia ho hôtran'ny kirihitr'anjavidy an-tany efitra agne. 7Fa noho ny fahatokenao ny fombanao sy ny harenao, no hanamborana anao koa. Ary i Kemosy dia handeha amin'ny figadrana, miaraka amin'ny mpisorogny sy ny mpitarigne.8Fa ho avy amin'ny tanana abiaby ny mpandrava; tsisy tanàna ho afaka hilefa ka ho levogna ny lohasaha ary ho rava ny lamaka, araka ny nilajain'i Yaveh 9Omeo elatra i Moaba, fa tsy mentsy hagnembogna tokôtra ijy Ho lasa ngajagna ny tanànane, jay tsisy na ija na ija monigna aminaje ao. 10Ôka ho vôojogna jay kamo amin'ny fanôvana ny asan'i Yaveh! Ôka ho vôojogna jay mitàgna ny mesany amin'ny fandatsahan-drà!11Nahatsiaro ho vôaro i Moaba hatamin'ny naha-tanora anajy. Hôtra ny valagny ijy. Tsy bola nandeha tamin'ny fahababôna ijy. Noho jany dia tsara tsiro lalandava ijy; miegnina tsy miova ny tsirone. 12Ka ito, ho avy ny andro__jany no fagnambaran'i Yaveh__laha handefa aminajy by jay hagnilika anajy sy handraraka ny valiny abiaby sady hamaky ny sisigny Aho.13Dia ho megnatra an' an'i Kemosy i Moaba hôtran'ny nahamegnaran'ny ankohonan'Israely an'i Betela, ny anton'ny fahatoken-dreo. 14Aôna no hilajanareo hoe: 'Ahay dia miaramila, lelahy mpiady mahere'?15Ho rava i Moaba ary hitafihina ny tanàna. Fa ny tovolahiny jay tsara indrindra diefa nampidignina amin'ny toeran'ny famonôna agne. Jany ny fagnambaran'ny mpanjaka! Yaveh Tompon'ny rehetra negnarane. 16Hitranga tsy ho ela ny faharavan'i Moaba; ho avy malaky tsy ho ela ny looja. 17Anareo abiaby magnodidigna an'i Moaba, mitomagnia; ary anareo abiaby jay mahalala ny lajane, hekiaho hoe: 'Loja, fa simba, ny tehigna mahery, sy ny tsorakajo manam-boninahitre.'18Midigna amin'ny toerana be voninahitra ary mipitraha amin'ny tany maigna eo, anao janaka vavy monigna ao Dibona. Fa ny handrava an'i Moaba no efa manafika anao, ny handrava ny ferovana mafe. 19Mijoroa amin'ny lalagna eo ka tsinjovy, anareo vahôka monigna a Aroera. Agnotania jay efa nenga sy nilefa. Lajay hoe: 'Nisy ino?' 20Lasa megnatra i Moaba, fa nitorotoroina ijy. Midradradradrà sady mitomagnia; mihekiaha famonjena. Ambarao amin'ny vahôka amin'ny Renirano Arnona eo fa rava i Moaba.21Amijao dia avy ao amin'ny tany ambo ny fagnasajena, hôn'i Holona, Jahaza, ary Mefata, 22hôn'i Dibona, Nebo, sy Beti-diblataima, 23hôn'i Kiriataima, Beti-gamola, ary Beti-meona, 24hôn'i Keriota sy Bozra, ary hôn'ny tanàna abiaby lavitra indrindra sy marivo indrindra. 25Nitapahina ny tandron'gni Moaba, nitapahina ny sandriny___jany no fagnambaran'i Yaveh.26Atôvy mamo ijy, satria niasa am-pireharehana hanohitra an'i Yaveh ijy. Ôka hihosikosigna amin'ny lohany i Moaba, ary ôka ho antom-pagnesôna ijy. 27Fa tsy Isarely ve no lasa antom-pimihejana hônao? Tsy hita amin'ny mpangalatra teo ve ijy, ka nagnojongojogna ny lohanao taminajy hôtran'ny nijakanao ny momba anajy matetika?28Lôjy ny tanàna ary mitobia amin'ny haragna egne, ry mponin'gni Moaba. Mevia hôtran'ny domohigna jay manao ny ankaniny egny amin'ny vavan'ny hady amin'ny vatolampy egne. 29Resin-tsena ny fireharehan'i Moaba__ny fevognavognane, ny fengitrenginy ary ny fieboebon'ny fone.30Jao no fagnambaran'i Yaveh__Aho hiany no mahalala ny jakany manohitra, jay tsisy sandane, hôtran'ny asane. 31Ka hidradradradra fitomagnena hôn'i Moaba aho, ary hihieka amin'ny alahelo hôn'i Moaba manontolo aho. Hitomagny hôn'i vahôkan'i Kira-haresa Aho. 32Hitomagny hônao mihôtra noho jay natako hôn'i Jazera Aho, ry vôlobok'i Sibma! Manavasava ny Ranomasina Masigna ny rantsagnao ary mahatratra hata-Jazera. Nanafika ny vôn'ny fahavaratrao sy ny divainao ny mpandrava.33Ka dia nalaina lavitra ny hajo fihinam-boa sy ny tanin'i Moaba ny fankalajana sy ny hafalena. Nagnatsara ny famolôn-divain-dreo Aho. Tsy handidia ny hekam-pifalena areo. Ny hekieka abiaby dia tsy ho hiekam-pifalena.34Avy hata-Hesbona ka hata-Elale io hiekieka, regny a Jahaza ny fen-dreo, hata-Zoara ka hata-Horonaima sy Elgate-selisia, fa na hatamin'ny ranon'i Nimrima aja dia maigna. 35Fa hamaragna jay manao sorogna amin'ny toerana ambony sy magnoro ditin-kajo magnitra hôn'ny andremaniny a Moaba ao Aho__jany no fagnambaran'i Yaveh.36Ka mitomagny an'i Moaba hôtran'ny antsodigna ny foko. Mitomagny hôtran'ny antsodigna hôn'ny olo a Kira-haresa ny foko. Lasa ny harena jay ajon-dreo. 37Fa sola ny loha abiaby ary nihisana ny volom-bava abiaby. Amin'ny tagnana abiaby ny ratra, ary magnodidigna ny valahan-dreo ny lamba fisôgnana.38Misy fisôgnana na aja na aja, dia amin'ny tapela-tofotragno sy amin'ny toerana malalak'i Moagba egne. Fa nipotehina hôtran'ny vilagny jay tsisy mpitia i Moaba__jany no fagnambaran'i Yaveh. 39Eee ny nanorotorôna anijae! Eee midradradradra amin'ny tomagny areo! Mampihdigna ny lamosigny hômin'ny hegnatra i Moaba! ka ho lasa antom-pimihejana sy fampihorohorôna hôn'i abiaby jay magnodidigna anajy i Moaba."40Fa hoy Yaveh hoe: "Ito, ho avy hidigna hôtran'ny tsipara ny fahavalo, mamelatra ny elany ambonin'i Moaba eo. 41Vôsambotra i Keriota, ary nigadra ny ferovany mafe. Fa amijany fotôgna jany dia ho avy hôtran'ny fon'ny viavy mihetsi-jaja ny fon'ny miaramilan'i Moaba.42Ka ho rava i Moaba ary tsy hisy vahôka koa, satria nanao ny tegnany ho lehibe noho i Yaveh ijy. 43Horohoro sy hady, ary fandrika no avy aminareo eo, ry mponin'gni Moaba__jany no fagnambaran'i Yaveh. 44Jay milefa noho ny fampihorôhorôna dia hilatsaka agnaty hady ao, ary jay magnanika ny hady dia ho tratrin'ny fandrika, fa hitondra anijany eo amin-dreo Aho amin'ny taognan'ny valifatiko amin-dreo__jany no fagnambaran'i Yaveh.45Jay milefa dia hijoro tsy manan-kery amin'ny alok'i Hesbona eo, fa hivôka hata-Hesbona ny afo, ny lelan'afo hatagnivon'i Sihona eo. Handevogna ny handrin'gni Moaba sy tampon-dohan'ny olo mpirehareha jane.46Loja hônao, ry Moaba! Rava ny olon'i Kemosy. Fa alaina ho gadra ny janakao lahy ary ny janakao vavy hômin'ny figadrana. 47Fa hampodiko farane__jany no fagnambaran'i Yaveh. "Tapitra ny fitsarana an'i Moaba eo.
Chapter 49

1Laha ny momban'ny vahôkan'i Amona, jao no fagnambaran'i Yaveh: "Tsy manan-janaka ve ny Israely? Sa tsisy olo raika handova na ino na ino a Israely ve? Nahôna Malkana hibodo an'i Gada, ary ny vahôkany honigna amin'ny tanànany agne? 2Ka ito, ho avy ny andro__jao no fagnambaran'i Yaveh__laha hampagneno ny feo famantarana hôn'ny ady hanohitra an'i Raba amin'ny vahôkan'i Amona eo Aho, ka ho lasa antonta-paharavana jany ary ny jana-bohitrany dia ho rôna amin'ny afo. Fa Israely hanagna an'jay tsy hanagnane," Hoy Yaveh.3"Midradradradrà amin'ny fitaregnana, ry Hesbona, fa ho rava i Ay! Mihiakiaha, ry Janaka vavin'i Raba! Manôva lamba fisôgnana. Manôva fitaregnana ary mihajakajaha fahate, fa i Malkana dia higadra, miaraka amin'ny mpisorogny sy mpitarigny abiaby. 4Nahôna anao no mirehareha amin'ny lohasahanao, ny lohasahanao jay tena mahavokatra be, ry janaka vavy tsy manam-pinôna? Anao jay mitoky amin'ny harenao ka manao hoe, 'Ija no ho avy hanohitra anahe?'5Ito, hitondra fampihorôhorôna aminao Aho__jany no fagnambaran'i Yaveh Tompon'ny rehetra__jany fampihorôhorôna jany dia ho avy amijay magnodidigna anao abiaby. Ny tsirairay aminareo dia hiparitaka noho jay. Tsy hisy na raika aja hamory hônijay milefa. 6Nefa afaran'jany dia hagnampody ny haren'ny vahôkan'i Amona Aho__jany no fagnambaran'i Yaveh."7Ny amin'i Edoma, jao no ambaran'i Yaveh Tompon'ny rehetra: "Tsisy fahendrena koa ve hita a Temana ao? Nisy toro-hevitra tsara ve hatamijay nanagna fahajavan-saigna? Nihasimba ve ny fahin-dren-dreo? 8Milifasa! mipodiana! mitoera an-davaky ny tany, ry mponin'gni Dedana. Fa mitondra ny lojan'i Esao amianajy eo Aho amin'ny fotôgna jay hanajeko anaje.9Laha avy aminaony mpioty vôloboka, sa tsy hamela kely amijany ve areo? Laha amin'ny aligna ny mpangalatra, tsy hangalatra mihôtra noho jay ilainy ve areo? 10Fefa nampiborida an'i Esao Aho. Nampiseho ny toerany mivony Aho. Ary tsy ho afaka hamony ny tegnany ijy. Ny janagne, ny rahalahine, ary ny mpara-monigna aminajy dia niravaina, dia lasa ijy. 11Lôjy afara ny kambotinao. Hiahy ny fiagnan-dreo Aho, ary ny mpitondrategnanao dia afaka mitoky amianhe."12Fa jao no fagnambaran'i Yaveh: "Ito, hônijay tsy mendrika jany dia tokony hinogna amin'ny kapôka tokôtra. Mieritreritra ve anao fa handeha tsy ho sajiena anao? Tsiare, satria hinogna tokôtra anao. 13Fefa niaigna tamin'ny tegnako Aho___jany no fagnambaran'i Yaveh__fa i Borza dia ho lasa horohoro, ho fahafaham-baraka, hampalahelo be, ary ho raha fagnojognana. Ny tanàna abiaby ho lasa faharavana mandrakijay.14Naharegny vôvao tamin'i Yaveh Aho, ary nisy iraka nalefa tagny amin'ny firenena, 'Mivondrogna ary tafio ijy. Mivognona amin'ny ady.' 15"Fa ito, natako kely anao laha ampitahaina amin'ny firenena hafa, ary tsinotsiniaviny amin'olo.16Laha ny fatahorako anao, dia namitaka anao ny avognavon'gny fonao, ry mponigna amin'ny toeran'ny haragna, anao jay nibahagna ny haragna ambony indrindra ba hanôvanao ny toeranao hômbony hôtran'ny tsipara. Hampidigniko ha-tegny anao__jany no fagnambaran'i Yaveh.17Ho horohoro hônijay mandalo amijany egny i Edoma. Ny olo abiaby hôtranijany dia hangorohoro sady hifiopioka noho ny amin'ny loja abiaby io. 18Hôtran'ny nandravana an'i Sodoma sy Gomora ary ny mpiara-belogna aminajy, "Hoy Yaveh, "tsy hisy olo honigna agne; tsisy vahôka hibela agne.19Ito, hiakatra hôtran'ny liogna hatamin'ny alan'i Jordana ijy handeha amin'ny tanin'ahi-metso. Fa hampandrosoiko malaky amijany i Edoma, ary hamela olo jay handray an-tagnana anijany aho. Fa ija no hôtran'ahe, ary ija no hangaika anahe? Mpambigna ondry ija no afaka hanohitra anahe?"20"Ka tenoy ny hevitra jay nitapahin'ny Yaveh hanoherana an'i Edoma, ny fikasana jay efa natany hanoherana ny mponin'gni Temana. Ho taritarihiny egne tokôtra areo, na dia ny kely indindra amin'ny ondry aja. Ny tanin'ahigny ho lasa toerana niravaina.21Nihojongojogna ny tany tamin'ny feon'ny filavôn-dreo. Ny feon'ny fitaregnana dia regny hatamin'ny Ranomasina Mena. 22Ito, misy olo hanafika hôtran'ny tsipara, ka hidigna ary hamelatra ny elany amin'i Bozra eo. Ary amijany andro jany, ny fon'ny miaramilan'i Edoma dia ho avy hôtran'ny fon(ny viavy mihetsi-jaja."23Ny amin'i Damaskosy: "Ho megnatra i Hamata sy Arpada, fa naharegne ny vôvao momba ny loja areo. Ketraka areo! hangorohoro noho ny ranomasina areo, jay tsy mety tone. 24Mihaosa tokôtra Damaskosy. Mivily hilefa jane; ajon'ny horohoro jane. Ajon'ny fahorena sy fanentegnana jane, hôtran'ny fanentegnan'ny viavy miteraka. 25Nahôna no tsy nafoy ny tanàna fiderana, ny tanàn-dehiben'ny fifalieko?26Noho jany dia ho lavo amin'ny toerany ny tovolahy eo, ary ny lzelahy mpiady abiaby dia ho faty amijany andro jany__jany no fagnambaran'i Yaveh Tomponn'ny rehetra." 27"Fa handrehitra afo amin'ny rindrin'gni Damaskosy Aho eo, ary handevogna ny ferovana mahery hôn'i Beni-hadada jane."28Ny amin'ny Kedara sy ny fanjakan'i Harora, jao no fagnambaran'i Yaveh tamin'i Nebokadnezara (ary Nebokasnezara mpanjakan'i Babylona dia hanafika io toerana io): "Mitsangana ka tafiho Kedara ary aringano ny vahôkan'ny antsignanana. 29Halaina ny lainy sy ny ondry sy osine, miara amin'ny lainy lamba ary ny fitôvana abiaby; halaina amin-dreo ny ramevane, ary hanao hieka fifalena amin-dreo ny olo, "Horooro no amin'ny magnodidigna abiaby eo!"30Milifà! mandihana alavitra! Megnena amin'ny hadin'ny tany eo, ry mponin'gni azora--jany no fagnambaran'i Yaveh__fa i Nebokadnezara mpanjakan'i Babylona diefa nanao tetika hanoherana anao. Milifà! mipody! 31Mitsangana! tafio ny firenena am-pilaminana ao, jay miaigna amin'ny ferovana," Hoy Yaveh. "Tsy managna vavahady na fagnidiena aminajy areo agne, ary ny olony dia miaigna amin-dreo.32Hirobaina ny ramevane, ary hirobaina amin'ny ady ny fanagnany raha be. Ary haeliko amin'ny rivotra abiaby egny jay nibory ny sisim-bolone, ary hitondra loja amin-dreo eo amin'ny lafiny abiaby Aho__jany no fagnambaran'i Yaveh. 33Ho lasa fonegnan'ny amboadia i Hazora, ho tany ngajagna maharitra. Tsisy honigna agne, tsisy olo hibela agne."34Jao no jakan'i Yaveh jay avy tamin'i Jeremia mpaminagny ny amin'i Elama. jao no nitranga tamin'ny fendohan'ny fanjakan'i Zedekia mpanjakan'i Yaveh Tompon'ny rehetra: 35"Jao no nambaran'i Yaveh Tompon'ny rehetra: Ito, hanapaka ny mpandefa tsipsìka an'i Elama Aho, ain-dehibe ny herin-dreo. 36Fa hitondra ny rivotra efatra hatamin'ny joron'ny lagnitra efatra Aho, ary hampiely ny vahôkan'i Elama amijay rivotra abiaby jany Aho. Tsisy firenena jay tsy halehan'ijay naely t-Elama tao io.37Ary hanorotoro an'i Elama agnivon'ny fahavalony Aho ary alohan'jay mandremby ny aigne. Fa hitondra loja hanoherana an-dreo Aho, ny fahasorenana amin'ny havignirako__jany no fagnambaran'i Yaveh__ ary handefa ny mesa amin-dreo aho mandra-pahalany tamingagna an-dreo. 38Dia hametraka ny seja fiandrianako amin'i Elama eo Aho ary handringagna ny mpanjakany sy ny mpitararika hatao___jany no fagnambaran'i Yaveh__ 39ary hitsangagna jany amin'ny andro farany jay hitondrako hipody ny haren'i Elama--jany no fagnambaran'i Yaveh."
Chapter 50

1Jao ny teny nambaran'i Yaveh ny mahakasika an'i Babylona, ny tanin'ny Kaldeana, tamin'ny alalan'i Jeremia mpaminagny: 2"Tatero amin'ny firenene agny ary atôvy miteno areo. Asandrato ny famantarana ary atôvy mitevy areo. Aja avony jane. Lajao hoe: 'Babo i Babylona. Nalaina baraka i Bela. Nivadi-po ny sarindrahane.'3Hitsangagna hamely anajy ny firenena avy hata-varatre, ba hahatonga ny taniny ho faharavana. Tsisy, na olo na biby, hiaigna amijany ao. Hilefa areo. 4Amijany andro jany ary amijany fotôgna jane___jany no fagnambaran'i Yaveh--ny vahôkan'Israely sy ny vahôkan'i Joda dia hiaraka avy ba handeha amim-pitomagnena ary handremby an'i Yaveh Andremani-dreo. 5Hagnotany ny lalagna mandeha Ziona areo ary hamakivaky jane, manao hoe: Handeha ahay ary hagnantogna an'i Yaveh amin'ny fagnekena mandrakijay jay tsy ho hadinoina."6Ondry very ny oloko. Nitarika an-dreo amin'ny lalan-diso an-tendrombohitra ny mpiandry ondin-dreo; navilin-dreo erakin'ny haragna areo. Nandeha areo, 7ka nagnadigno ny toerana jay nonegnane. Ny olo abiaby jay nivôka tamin-dreo dia namiravira an-dre. Hoy ny fahavalony hoe: "Tsy meloka ahay, satria areo dia nanota tamin'i Yaveh, fonegnany marina areo__die i Yaveh, jay fagnantenan'ny rajamben-dreo.'8alà agnivon'i Babylona ao; mivoaha anareo ho hôtran'ny osy lahy jay miala alohan'ny andihanan'ny ondry sisa. 9F'ito, efa an-dalam-pamitrahana ny hetsika sy hanangagna ny vondron'ny firenena lehibe hata-varatra hamely an'i Babylona Aho. Hifandamigna hanohitra anajy areo. Hisamborina hatagny i Babylona. Ho hôtran'ny mpiady mahay jay tsy mipody tagnam-polo ny jana-tsipikan-dreo. Ho lasa gadra i Kaldea. 10Ho afa-po ny abiaby jay magna-dradra anajy__jany no fagnambaran'i Yaveh.11Mifaly, mankalaja ny figadran'ny lovako anareo; mitsambikimbikigna hôtran'ny janak'ondry amin'ny fihinanam-bilogna egny anareo; magnono hôtran'ny sôvaly mahery anareo. 12Ka ho afa-baraka tokôtra iendrinareo; jay niteraa anareo dia ho megnatra. Ito, ho kely indrindra amin'ny firenena ijy, ho tany efitra, tany amigna, ary tany hay. 13Nohon'ny fahavigniran'i Yaveh, dia tsy honegnana koa, fa ho faharavana tanteraka i Babylona. Ny olo abiaby jay mandalo dia hangorohoro noho i Babylona ary hifiopioka nohon'ny feriny abiaby.14Mifandamina hamely an'i Babylona sy ny magnodidigna anajy abiaby anareo. Tsy mentsy hitifitra anajy ny olo abiaby jay magnenjagna ny tsipìkany. Aja misy abela ny jana-tsipìkanareo, fefa nagnotany tamin'i Yaveh ijy. 15Asandrato magnodidigna anajy abiaby ny hiekeke! Efa vôhodidigna ijy; efa lavo ny tilikambone; vôrodagna ny mandane, fa jany no valifatin'i Yaveh. Manôva valifaty aminajy eo! Dia atôvy hôtran'ijay efa natane!16Aringano ny mpamboly jay mamafy ny voa sy jay mampiasa ny antsy fambolejana amin'ny fotôm-pambolejana a Babylona. Ôka hipody hatamin'ny mesa ny mpampahory hômin'ny vahôkany ny olo tsirairay; ôka areo hipody amin'ny taniny agne.17Israely dia ondry naparitaka sy niroahan'ny liogna Ny mpanjakan'i Asyria no namiravira an-dreo vôlohane; ary tafaranijay, dia nitapain'i Nabokadnezara mpanjakan'i Babylona ny tôlagne. 18Noho jany jao no lajain'i Yaveh Tompon'ny rehetra, ny Andremanitr'Israely: "Ito, efa magnafay ny mpanjakan'i Babylona sy ny taniny Aho, hôtran'ny namejako ny mpanjakan'i Asyria.19Hamerigna an'Israely amin'ny tanindrajagna agne Aho, hihinagna Karmela sy Basana ijy. Ary ho afa-po amin'ny tany haran'gni Efraima sy Kaldeada ao ijy. 20Amijany andro jany sy amijany fotôgna jane, hoy i Yaveh, hirombejina a Israely ny heloka ao, nefa tsy hahita. Hagnotany ny momban'ny fahotan'i Joda Aho, nefa tsy hahita, fa hamela heloka ny sisa mivela jay namindrako fo Aho."21"Mitsangàna hamely ny tanin'i Merataima, hamely anijany sy hônijay mponigna Pekoda. Apitraho amin'ny mesa eo areo ary atokany hôn'ny faharavana__jany no fagnambaran'i Yaveh__atôvy jay abiaby andidieko anareo. 22Amin'ny tany ao ny feon'ny ady sy ny faharavana angeja be.23Eee ny nanapahana sy namotehana ny tantagnan'ny tany abiaby. Nefa die lasa horohoro amin'ny firenena eo i Babylona. 24Nagnavilako fandrika anao ka tratra, ry Babylona, ary tsy nahafantatra anijane anao! Tratra sy vôsambotra anao, satria nanohitra an'i Yaveh.25Efa nanokatra ny fitoeran'ny fitôvam-pedieny i Yaveh ary nandany mivôka ny fitôvam-pediena ho fagnatorôny ny havignirane. Misy asa hôn'i Yaveh Tompon'ny rehetra amin'ny tanin'ny Kaldeana ao. 26Tafio hatalavitra ijy. Sokafy ny tragnambony ary akorotagno hôtran'n'y antontam-bary ijy. Atokano hôn'ny faharavana ijy. Aja avela hisy mivela neminaje.27Vonoy ny aombilahiny abiaby. Ampidigno amin'ny toerana famonôna agny io. Loja hôn-dreo, fefa avy ny androny__dia ny fotôgna fanajiena an-dreo, 28jay ny feon'ny filefan-dreo, dia jay sisa tsy mate, hata-Babylona tane. Areo no hitatitra ny valifatin'i Yaveh Andremanitsena hôn'i Ziona, sy valifaty -tempoline."29"Angiho ny mpandefa jana-tsipika halely an'i Babylona__jay abiaby jay magnenjagna ny tsipikane. Mitobia hamely anaje, ary aja avela hisy afaka hilefa. Valio amijay efa natany ijy. Atôvy aminajy araka jay efa fatane. Fefa nangaika an'i Yaveh ijy, dia ny Masin'Israely. 30Ka dia ho lavo amin'ny joron-tanàna egny ny tovolahy, ary ho ringagna ny lelahy mpiadiny abiaby amijany andro jane___jany no fagnambaran'i Yaveh."31"Ito, mamely anao Aho, ry mpirehareha__jany no fagnambaran'i Yaveh Tompon'ny rehetra__fefa avy ny andronao, ry mpirehareha, dia ny fotôgna jay hanajiko ana. 32Ka ho tanfantohigna sy ho lavo ny mpirehareha. Tsy hisy hanangagna an-dreo. Handrehitra afo amin'ny tanànan-dreo eo Aho; handevogna ny raha abiaby magnodidigna anajy jane.33Jao no fagnambaran'i Yaveh Tompon'ny rehetra: Nampahorena ny vahôkan'Iraely, miaraka amin'ny vahôkan'i Joda. Bola nitanan'ny abiaby nanambotra anajy areo; nandàà ny hamely an-dreo handeha areo. 34Mahery ny mpamonjy an-dreo. Yaveh Tompon'ny rehetra nEgnrane. Handahatra ny amin-dreo marina Ijy, ba hitondra fitsaharana amin'ny tany ao, ary ba hitondra zizo hôn'ny mponin'gni Babylona.35Ny mesa dia hamely an'ny Kaldeana___jany no fagnambaran'i Yaveh__ary hamely ny mponin'gni Babylona, ny mpitarigne, ary ny lelahy hendrine. 36Avy hamely an'ijay magnano jakan-sikidy ny mesa, ba hitonôn-tega ho hôtran'ny môla areo. 37Avy hamely ny miaramilany ny mesa, ka dia ho feno tahotra areo. Avy hamely ny sôvaline, ny kalesany ary ny olo abiaby jay agnivon'i Babylona ny mesa ka dia ho avy hôtran'ny viavy areo. Avy hamely ny tragno fagnatsarejana mesa, ka ho vôrava areo.38Ho avy ami'ny ranony hain-tany eo, ka dia ho maigna io. Fa tamin'ny sampy tsisy ilàna anajy ijy, ary miasa hôtran'ny olo nimôlain'ny sampy tsy manjariny areo. 39Ka ny bibn'ny tany efitra miaraka amin'ny amboadia no honigna agne, ary ny apstrisy tanora no hipetraka aminajy ao. Fa amin'ny fotôgna abiaby, dia tsy honegnana koa ijy. Hatamin'ny taranaka fara mandimby, dia tsy honigna aminajy ao. 40Dia hôtran'ny nandravan'Andremanitra an'i Sodoma sy Gomora ary ny magnodidigna anajy__jany no fagnambaran'i Yaveh__tsy hisy honigna ao; tsy hisy olo hibela aminajy ao."41"Ito, avy ny vahôka hata-varatra, hôn'ny firenena lehibe sy ny mpanjaka rahabe efa nisandratra hatan-tany lavitra. 42Hangala tsipika die lefogna areo. Lojabe areo sady managna fangoraham-po. Hôtran'ny firehondrehon'gny ranomasina ny feon-dreo, ary mideba sôvaly milahatra hôtran'ny lelahy mpiady, hamely anareo areo, ry janaka vavin'i Babylona. 43Naharegny ny tati-dreo ny mpanjakan'i Babylona, ary nalemy nohon'ny horohoro ny tagnany. Hamely anajy hôtran'ny viavy miteraka ny fahoriena.44Ito, Miakatra hôtran'ny liogna hataambonin'ny Jordana handeha agny amin'ny fipitraham-bilogna maharitra ijy. Fa hatako milefa malaky amijany ao areo, ary hagnabela olo vôvidy hendrekitra anijany Aho. Fa ija no hôtran'Ahe, ary ija no hangaika Anahe? Mpiandry ondry hôtran'ny aôna no hatahotra an'Ahe?45Ka tenoy ary ny fikasana jay natan'i Yaveh hamilejana an'i Babylona, ny fikasana jay efa nalamigny hamilejana ny tanin'ny Kaldeana. Hiviraviraina tokôtra areo, eny fa na dia ny ondry kely indrindra aja. Ho lasa toerana rava ny tany fihinanam-bilogn-dreo. 46Amin'ny feon'i Babylona dia mihorohoro ny tane, ary regny amin'ny firenena ny hiekam-pahorien-dreo."
Chapter 51

1Jao no fagnambaran'i Yaveh: "Ito, handeha hampandrivotra ny rivotra mpandringagna amin'i Babylona sy jay monigna a Leba-Kamay Aho. 2Handefa ny vahiny a Babylona ao Aho. Hagnaparitaka anajy areo ary handravarava ny tanine, fa ho avy hanohitra anajy hatamin'ny magnodidigna abiaby areo amin'ny andron'ny loja.3Aja avela handefa ny jana-tsipikany ny mpandefa tsipika, aja aveha hagnano ny ankajo ferovany areo. Aja mamindra fo amin'ny tovolahine; hatokagny amin'ny fandravana ny tafigny abiaby. 4Fa ny olo maratra dia ho lavo amin'ny tanin'ny Kaldeana ao, hônijay vôvono dia ho lavo amin'ny lalany egne.5Fa Israely sy Joda dia tsy nafoin'ny Andremanine, Yaveh Tompon'ny rehetra, na dia feno ny fandikan-dalàna manohitra ny Masin'Israely aja ny tanine. 6Milifà amin'ny agnivon'ny Babylona. Ôka ny olo tsirairay samy hagnavotra ny jakany. Ôka tsy ho ringagna ao agnatin'ny helogny. Fa jao no fotôgna hanôvan'Yaveh valifate. Honerany hônajy ny abiaby amijane.7Ka pôka volamena an-tagnan'i Yaveh i Babylona jay nahamamo anijao tontolo jao; ninogna ny divainy ny firenena ka lasa very saigna. 8Holavo tampoka Babylona ary hiravaina. Midradradradrà hônaje! Omeo fagnafody amin'ny fanaitaignany ijy; dia hahafaka ijy angaha.9'Nagniry ny hampahafaka an'i Babylona ahay, fa tsy nahafaka ijy. Ôka atsena abiaby handao anajy sy handeha lavitra, ho agne amin'ny tanitsena. Fa mahatakatra lagnitra ny helogne; misavômbôgna hatamin'ny rahogna jane. 10Efa nagnambara ny tsy fanagnantsena tsigny Yaveh. Avia, andao atsena hilaja amin'i Ziona ny asan'i Yaveh Andremanitsena.11Rangito ny jana-tsipaka ary alay ny ampinga. Yaveh dia manarika ny mpanjakan'i Medesa amin'ny fikasana hamotika an'i Babylona. Jany dia hôn'ny valifatin'i Yaveh, famalena faty tamin'ny nandravana ny tempoline. 12Manandrata faneva ambonin'ny mandan'i Babylona eo. Hamafiso ny fembenana; mamilà mpiambigna; atôvy vognona ny otrike; fa hitanterahin'ny TOMPO jay nilajainy mahakasika ny mponin'gni Babylona.13Anareo mponigna jay mipetraka egny amin'ny moron-drano; anareo mponigna jay manan-karena raha sarobidy, avy ny fefaranareo. Ny tadin'ny fiagnanareo dia nifihejina amijao. 14Nieniena tamin'ny aigny manontolo i Yaveh Tompon'ny rehetra hoe: "Ho fenôko fahavalonao anao, hôtran'ny fandringagnan'ny valala; hanangagna adim-pihorahana aminao areo.'15Nanao ny tany tamin'ny alalan'ny fahefany Ijy; namela ny tany tamin'ny toerany ijy hatamin'ny fahendreny; namelatra ny lagnitra tamin'ny fahajavan-saigny Ijy. 16Laha mitrerogna Ijy, dia misy rano mierogna an-dagnitra agne, fa mitondra ny javogna hatam-paran'ny tany agny ijy. Mambôtra tselatra hôn'ny oragna Ijy ary mamôka ny tafio-drivotra ami'ny tragno fagnatsarejane ao.17Lasa bado ny olo abiaby, tsy manam-pahalalana. Ny mpanefy vy abiaby dia ho megnatra noho ny sampine. Fa fitaka sarin-draha agnembognane, ary tsisy fiagnana amin-dreo ao. 18Tsy ilain-dreo, ny asan'ny mpagniratsira; ho faty areo amin'ny fotôgnan'ny fagnasajena anaje. 19F'Andremanitra, jay anjaran'i Jakoba, dia tsy ba hôtranijane, fa Ijy no mpamolavola ny raha abiaby. Israely no fokon'ny lovane; Yaveh Tompon'ny rehetra nEgnarane.20Fa Anao no fitôvam-piedieko, langilangy amin'ny adiko. Anao no hanorotorôko ny firenena sy hamotehako ny fanjakana. 21Anao no honorotorôko ny sôvaly sy ny mpideba anaze; miaraka Aminao no hanorotorôko ny kalesa sy ny mpitondra anaje.22Anao no hanorotorôko ny lelahy sy viavy tsirairay aby; Anao no hanorotorôko ny antitra sy ny tanora. Miaraka aminao no hanorotorôko ny tanora lahy sy ny virijiny vave. 23Miaraka aminao no hanorotorôko ny mpiambigna ondry sy osine. Miaraka aminao no hanorotorôko ny mpiasa tany sy ny tarigne. Miaraka aminao no hanorotorôko ny governora sy ny manam-pahefana.24Fa amasonao eo no hamaleko an'i Babylona sy ny mponin'gni Kaldea nohon'ny amin'ny haratsiena abiaby jay natan-dreo ta-Ziona tao--jany no fagnambaran'i Yaveh.25Ito, manohitra anao Aho, ry tendrombohitry ny faharavana__jany no fagnambaran'i Yaveh__jay mandrava ny tany manontolo. Hanjijitra ny tagnako hanohitra anao Aho ary hamadivady anao amin'ny haragna agne, ary hanao anao ho tendrombohitra mirehitra Aho. 26Ka tsy hangala vato hambôarana joron-tragno sy fototra hataminao areo; fa ho lasa faharavana mandrakijay anao__jany no fagnambaran'i Yaveh.27Manangàna faneva magneragna ny tane. Tsofy magneragna ny firenena ny antsiva. Angiho ny firenena hamely anaje: Ararata, Miny ary Askenaza. Manendre mpibeko hamely anaje; mitondrà sôvaly hôtran'n valala volina. 28Vognony ny firenena hamely anaje: ny mpanjakan'i Mediana sy ny governorane, ny manam-pahefany abiaby ary ny tany abiaby jay eo ambany fahefane.29Fa hihorohoro sy hôgnaty hirifiry ny tane; satria nitohy ny fikasan'i Yaveh hanohitra an'i Babylona, ba hahalasa ny tanin'i Babylona ho tany ngajagna jay tsisy mponigna.30Efa niegnina nitologna nitologna ny miaramilan'i Babylona; niegnina amin'ny ferovana mafy tao areo. Lefy ny herin-dreo; lasa viavy areo__mirehitra ny tragnon-dreo, tapaka ny hidim-bavahadine. 31Ny mpitondra hafatra mihajakajaka ba hagnambara hafatra amin'ny mpitondra hafatra raika hafa agne, ary ny mpihajakajaka raika mijaka amin'ny mpihajakajaka raika hafa ba hitatitra amin'ny mpanjakan'i Babylona agny fa itoy tanàna toy diefa vôsambotra hatramy farane. 32Ka ajo ny fitsahana ambonin'ny rano egne, magnoro ny volotara amin'ny afo miheniheny ny fahavalo, ary very hevitra ny lelahy mpiadin'i Babylona.33Fa Yaveh Tompon'ny rehetra, Andremanitr'Isarely, no mijaka anijao: hôtran'ny famolôna ny janaka vavin'ny Babylona. Fotôgna hanosehana anajy jao. Ho avy aminajy agnaty fotôgna fohika ny fotôm-pijinjana.34Nolevognin'i Nebokadnezara mpanjakan'ny Babylona aho; nitondra anahy amin'ny fahaverejan-kevitra ijy. Ary natany ho vilagny fôgna aho, naneligna anahy hôtran'ny biby goavam-be ijy; nameno ny kibony tamin'ny hanim-pieko ijy; nandrôka anahy ijy. 35Jay monigna a Ziona ao die hijaka hoe: "Ôka ny herisetra natao anahy sy tamin'ny nofoko hômin'i Babylona." Ary hoy Jerosalema hoe: "Ôka ny rako ho amin'ny mponin'gni Kaldea."36Ka jao no lajain'i Yaveh: "Handeha hisolo vava anao Aho ary hitondra valifaty hônao. Fa hiritiko ny ranon'i Babylona ary hagnamaigna ny loharanony Aho. 37Fa ho lasa korotam-bato i Babylona, lavaka fieren'ny amboadia, horohoro, raha mapifiopioke, jay tsisy mponigna.38Hierogna miaraka hôtran'ny liogna tanora ny Babylona. Hierogna hôtran'ny janaka liogna ijy. Laha lasa agnaty fitiavam-bola tafahôtra areo, hanao 39fihinanambe hôn-dreo Aho, himamoiko areo ka ho faly sady hatory agnaty torimaso tsy mety tapitra ka tsy hifoha koa__jany fagnambaran'i Yaveh__ 40Halefako hidigna amin'ny famonôna hôtran'ny janak'ondry, hôtran'ny aombe sy ondry miaraka amin'ny osy areo.41Eee ny najahôna an'i Babylona! Ka ajo ny fideran'ny tany manontolo. Eee fa lasa toerana ngajagna amin'ny firenena eo i Babylona. 42Miakatra manerana an'i Babylona ny ranomasina! Vôrakotrin'ny onjany mierogna ijy.43Lasa faharavana ny tananane, tany maigna sy efitra, tany jay tsisy monigna, ary tsy handalovana na olo raika aja. 44Ka hisajiko a Babylona ao i Bela; handako hivôka ny vavany jay nateligny ary ny firenena dia tsy hadeha aminajy miaraka amin'ny fagnati-dreo. Hirodagna ny mandan'i Babyloba.45Mivoaha amin'ny agnivony eo, ry oloko. Ôka ny tsiraiary samy hagnavotra ny tegnany amin'ny fahavigniran'ny havignirako. 46Aja avela ho megnatra ny fonareo na hatahotra ny vôvao jay regne amin'ny tane ao, fa ho avy amin'ny taogna raika io vaovao io. Afarnijany amin'ny taogna magnaraka hiany koa dia hisy vôvao, ary ny herisetra dia hoao amin'ny tane. Mpanapaka hanohitra mpanapake.47Ka, ito, avy ny andro jay hanajeko ny sampy vôsikotr'i Babylona. Ho megnatra y taniny abiaby, ary ny fatiny abiaby dia ho lavo agnivony eo. 48Ary ny lagnitra sy ny tane, ary jay abiaby amin-dreo ao dia hifaly amin'ny Babylona. Fa ho avy aminajy hata-varatra ny mpandringagna__jany no fagnambaran'i Yaveh. 49"Hôtran'ny nandavôn'i Bbabylona ny Israely vaôvono, no hilavôn'ny vôvono tamin'ny taniny abiaby a Babylona tao."50Ry sisa velogna amin'ny mesa, mandihana! Aja miegnina. Tsarovy hata-lavitra egny i Yaveh; ôka hitadidiena i Jerosalema. 51Megnatra ahay, fa naharegny ny jaka maloto; nandrakotra ny tavanay ny fagnamelohana, fa niditra amin'ny fitoerana Masin'ny tragnon'i Yaveh tao ny vahiny.52Ka, ito, avy andro__jany no fagnambaran'i Yaveh__jay hanajeko ny sampy vôsikone, dia hisento amin'ny taniny abiaby ny vahôka vôratre. 53Fa na dia miakatra amin'ny lagnitra egny aja i Babylona na magnamafy ny ferovany mafy ambony indrindra aja ijy, dia ho avy aminajy ny mpandringagna avy aminahe__jany no fagnambaran'i Yaveh.54Ny hiekan'ny fahorena dia hata-Babylona agne, firodagnana lehibe hatamin'ny tanin'ny Kaldeana. 55Fa Yaveh dia mandrava an'i Babylona. Ijy no mampiegnina ny fihorakorahana mahare. Mierogna hôtran'ny onjan-drano ny fahavalone; mihamafy ny fandrignenane. 56Fa avy hanohitra anajy ny mpandringagna__manohitra an'i Babylona!__ary ny lelahy mpiadiny diefa vôsambotra. Tapaka ny tsipikane, fa Yaveh no Andremanitrin'ny famalena; fa hitondra anijane famalena jane tokôtra Ijy.57Fa hatako mamo ny andrendajine, ny olon-kendrine, ny manam-pahefane, ary ny miaramilane, dia hatory agnaty torimaso tsisy fefarany areo ary tsy hifoha koa__jao no fagnambaran'ny mpanjaka: Yaveh Tompon'ny rehetra negnarane. 58Yaveh Tompon'ny rehetra mijaka anijao: "Ho rava tanteraka ny manda matevin'gni Babylona ary hirôna ny vavahadin'ny ao ambone. Dia ny cahôka jay avy hitahy anajy dia ho sasa-pôgna; ny java-drehetra jay ejahin'ny firenena atao hônajy dia hirôna."59Jao no jaka jay nandidien'i Jeremia mpaminagny an'i Seraia janaka lahin'i Neria janaka lahin'i Mahaseia laha nandeha hô-Babylona ijy niaraka tamin'i Zedekia mpanjakan'i Joda tamin'ny taogna fahefatra nanjakane. 60Fa ho lasa ho lehiben'ny manam-pahefana i Seraia. Fefa nanoratra ny loja abiaby jay ho avy amin'i Babylona agnaty horognan-taratasy i Jeremia__io jaka abiaby jay vôsoratra mahakasika an'i Babylona.61Nijaka tamin'i Seraia i Jeremia hoe: "Laha mandeha Babylona anao, dia hahita sy hamaky mahare an'io jaka io. 62Dia hijaka anao hoe: "Yaveh, Anao mihinsty no nagnambara fa ho ravainao itoy toerana toy, ary tsy hisy olo na biby hiaigna aminajy ao, ary ho rava mandrakijay ijy.63Dia laha vitanao ny famakiena an'io horognan-taratasy io, dia afihejo amin'ny vato jane ary atsipajo agnivon'ny Eofrata egne. 64Lajay hoe: "Ho rendrika hôtran'ijane i Babylona. Tsy ho tafatsangagna ijy noho ny loja jay alefaka hanohitra anaje, dia holavo ijy." Tapitra eto ny jakan'i Jeremia.
Chapter 52

1aika amby rôpolo taogna i Zedekia laha nanomboka nanjakla; nanjaka indraika ambin'ny folo taogna ta-Jerosalema ijy. Hamotala no agnaran'ny endrine; ijy dia janaka vavin'i Jeremia hata-Libna. 2Nagnano jay ratsy tamason'i Yaveh ijy; nanao jay abiaby efa natan'i Joikima ijy. 3Tamin'ny fahavigniran'i Yaveh, no nitrangan'ny raha abiaby io ta-Jerosalema sy Joda, ambaram-pandroahany an-dreo tsy hôlohany eo. Ary nikomy tamin'ny mpanjakan'i Babylona i Zedekia4Ary tamin'ny taogna fahasivy nanjakan'i Zedekia mpanjaka, tamin'ny volagna fahafolo, ary tamin'ny andro fahafolon'ny volagna dia avy niaraka tami'ny tafigny i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, ba hanohitra an'i Jerosalema. Nitoby tandrify anijany areo, ary nambôtra tilikambo nagnodidigna anijane. 5Ka dia natao fahirano ny tanàna hatamin'ny faha raika ambin'ny folon'ny taogna nanjakan'i Zedekia mpanjaka.6Tamin'ny volagna fahefatra, tamin'ny andro fahasivy tamijany taogna jany, dia nirongatra tan-tanàna tao ny mosary fa tsisy rahanina hôn'ny mponin'gny tane. 7Ary dia rava ny tànana, ary ny lelahy mpiady abiaby dia nirifotra nilefa sy nivôka ny tanàna aligna tamin'ny vavahady jay tagnelagnelan'ny rindrigna rolahiteo, narivo ny zaridain'ny mpanjaka teo, na dia nagnodidigna ny tanàna aja ny Kaldeana. Dia nijotra nandeha a Araba areo. 8Kanefa nagnanjaka ny mpanjaka ny tafijy ny Kaldeana ary nahatratra an'i Zedekia tamin'ny tany hain'ny lohasahan'ny Ony Jordana jay narivo an'i Jeriko teo. Naparitaka niala teo aminaje ny tafigny abiaby.9Nisamborin-dreo ny mpanjaka ary nandany niakatra tamin'ny mpanjakan'i Babylona ta-Ribla tamin'ny tany Hamata tao, jay nitsarany anaje. 10Namono ny janaka lahin'i Zedekia tamasony teo ny mpanjakan'i Babylona, ary ta-Ribla dia namono ny mpitarika ny Joda abiaby mandy koa ijy. 11Ary nalainy ny mason'i Zedekia, ka nifihejina ny mason'i Zedekia, ka nifihejina tamin'ny rojo varahigna ijy, ary nandao ta-Babylona. Nalefan'ny mpanjakan'i Babylona tam-ponja ijy ambara-pahafatine.12Ary tamin'ny volagna fahadimy, tamin'ny andro fahafolon'ny volagna, jay fahasivy ambin'ny folo taogna nanjakan'i Nebokadnezara mpanjaka, mpanjakan'i Babylona, dia avy ta-Jerosalema i Nebokadnezara. Ijy no mpifehy ny mpiambigna ny mpanjaka ary mpanompon'ny mpanjakan'i Babylona. 13Nagnoro ny tragnon'i Yaveh, ny lapan'ny mpanjaka, ary ny tragnon'i Jerosalema abiaby ijy; ary norôny mandy koa ny tragno angeja manan-danja abiaby. 14Laha ny amin'ny manda magnodidigna an'i Jerosalema, diefa namotika an-dreo ny tafiky ny Babyloniana abiaby jay niaraka tamin'ny mpifehy ny mpiambigna ny mpanjaka.15Laha ny amin'ny olo mahantra indrindra, ny olo sisa mivela tan-tanàna, hônijay efa nilefa hômin'ny mpanjakan'i Babylona, ary ny sisa tamin'ny mpanao asa tagnana_dia natan'i Nebozaradana, ny mpifehy ny mpiambigna ny mpanjaka ho gadra ny sasagny tamin-dreo. 16Fa i Nebozaradana, jay mpifehy ny mpiambigna ny mpanjaka, namela ny sasagny tamin'ny mahantra indrindra an'ny tany ba hiasa ny tanim-bôloboka sy ny saha.17Laha ny amin'ny andry varahigna jay an'ny tragnon'i Yaveh, sy ny fitoerantavin-drano ay ny tavin-drano varahigna jay an'ny tragnon'i Yaveh, dia nipotehin'ny Kaldeana ary nandany nipody ta-Babylona aby ny varahigna abiaby. 18Ny vilagny, angady, fanôvan-jiro, lovia, ary ny kojakoja vita amin'ny varahigna jay nanompôn'ny mpisorogna tan-tempoly tao__dia nandan'ny Kaldeana aby. 19Ny tavy fanôvana lakevin-jiro sy ny fagnorôna ditin-kajo magnitra, ny lovia, ny vilagny, ny fitoeran-jiro, ny fandatsena, ny tavin-drano jay vita tamin'ny volamena, sy ny vita amin'ny volafotsy__dia nanadan'ny mpifehy ny mpiambigna ny mpanjaka mandy koa.20Io andry rolahiteo, ny tavin-drano, ary ny aomby varahigna jay tambanin'ny fitoeran-tavin-drano, raha jay namboarin'i Solomona hôn'ny tragnon'i Yaveh, dia feno varahigna maromaro jay tena navesatre. 21Ny andry dia samy valo ambin'ny folo metatra aby ny haambony, ary ny tsipika magnodidigna an-dreo dia nirefy roa ambin'ny folo metatra. Samy efatra jehe ny hatevigny sady samy pôkate.22Kapitaly varahigna no tan-tendrognijany teo. Dimy metatra ny haambon'ny kapitaly, miaraka amin'ny harato sy apongabendagnitra magnodidigna anaje. Vita tamin'ny varahigna daholo jane. Ny andry raika hafa sy ny apongabendaniny dia mitovy amin'ny raika vôlohany hiany. 23Ka dia ampongabendagnitra enina amby sivi-folo noho jay no tagnilan'gny kapitaly teo, ary ampongabendagnitra jato no tambonin'ny harato magnodidigna teo.24Ny mpifehy ny mpiambigna ny mpanjaka dia nanambotra an'i Seraia, ny mpisorogna, niaraka tamin'i Zefania, ny mpisorogna faharoa, ary ny mpiambigna vavahady telo. 25Tan-tanàna tao no nanamborany manam-pahefana raika jay nisahagna ny miaramila abiaby, sy lelahy fito tamijay nanolo-tsaigna ny mpanjaka, jay bola tan-tanàna tao. Nanambotra y manamboninahitry ny tafiky ny mpanjaka jay mpandrafitra ny tafika, miaraka tamin'ny olo manan-kaja enipolo hatamin'ny tany jay tan-tanàna tao mandy koa ijy.26Ary dia nalain'i Nebokadnezara, ny mpifehy ny mpiambigna ny mpanjaka areo ary nandany tamin'ny mpanjakan'i Babylona ta-Ribla tagne. 27Nivonin'ny mpanjakan'i Babylona ta-Ribla tamin'ny tanin'i Hamata tagny areo. Tamijany fomba jany, no nitondrana ny Joda ho gadra niala tamin'ny tanine tao.28Ito no olo nigadrain'i Nebokadnezara: tamin'ny taogna fahafito, jiosy3.023. 29Tamin'ny fahavalo ambin'ny folo taogna nanjakan'i Nebokadnezara dia nangala olo 832 hata-Jerosalema tao ijy. 30Tamin'ny fahatelo amby rôpolo taogna nanjakan'i Nebokadnezara, dia nagnagadra vahôka jiosy 745 i Nebozaradana, ny mpifehy ny mpiambigna ny mpanjaka. 4600 ny fitambaran'ny isan'ny gadra abiaby.31Ary tamin'ny andro fahadimy amby rôpolon'ny volagna, tamin'ny volagna faharoa ambin'ny folo, tamin'ny faraparan'ny taogna fahafito amby telopolo naha-gadra an'i Jekonia, dia nagnafaka an'i Joikina mpanjakan'ny Joda tam-ponja tagny i Evila-merodaka, mpanjakan'i Babylona. Tamin'ny fotôgna nanombohan'i Evila-Merodaka nanjaka no nipoiran'ijane.32Nivoria am-pahatsorana taminajy ijy ary nagnome anajy toerana lalo ambony nohon'ny mpanjaka hafa jay niaraka taminajy ta-Babylona tagne. 33Nangala ny fitafena maha-pigadra an'i Joiakina i Evila-merodaka, ary nihinagna tsy tapaka tan-databatry ny mpanjaka tamin'ny andro sisa niaignany i Joiakina, 34ary name hanina are-dalàna isan'andro ijy tamin'ny andro sisa niaignany ambara-pahafatine.

Lamentations

Chapter 1

1Ny tanàna jay feno olo tamijany dia mitoetra rerika amijao. Lasa hôtran'ny mpitondrategna ijy, na dia firenena nahery aja. Ijy no andrembavy tamin'ny firenena, nefa nitirena hômin'ny fagnandivojagna amijao. 2Mitomagny sy midradradradra ijy amin'ny aligna, sady mandrakotra ny takolagny ny ranomasone. Tsy nisy tamin'ny tia anajy ba nampionogna anaje. Namadika anajy nekamanya abiaby. Lasa fahavalony areo.3Tafarzn'ny fahantrana sy fahorena, dia nalefa ho sesitany i Joda. Miaigna eo amin'ny firenena ijy sady tsy mahita fegnenana. Ny mpagnenjika anajy abiaby dia nahatratra anajy tamin'ny fahakiveny tao.4Misaogna ny lalan'i Ziona satria tsisy na die raika aja avy amin'ny fa fanasana vôtondro. Lao ny vavahadiny abiaby. Misento ny mpisorogne. Malahelo mafy ny virijiny sady ijy dia ao agnatin'ny fahorena tanteraka. 5Nanjary tompony ny fahavalone; niroborobo ny fahavalone. Nampahoren'i Yaveh ijy noho ny fahotany rahabe. Ny janagny kely dia lasa gadra amin'ny fahavalony agne.6Niala tamin'ny janakavavin'i Ziona ny hatsaran-tarehe. Lasa hôtran'ny serfa tsy mahitra ny janak'andrena, ary mandeha tsisy hery alohan'ny mpagnenjika anajy areo.7Amin'ny androm-pahoreny sy tsy hanagnany felofana, dia hahatsiaro ny hareny sarobidy abiaby jay nanagnany tamin'ny andronny taloha i Jerosalema. Laha lavo tan-tagnan'ny fahavalony ny olone, dia tsisy nitahy anajy. Nahita an-dreo fahavalony ary nihehy tamin'ny faharavane.8Nanota be Jerosalema, noho jany, dia nalaim-baraka hôtran'ny raha maloto ijy. Ny abiaby nagnome voninahitra anajy dia manao tsinotsino anajy amijao hatamin'ny nahitan-dreo ny fijilene. Misento ijy sady miejaka mihodigna. 9Lasa naloto tambanin'ny zipony ijy. Tsy nihevitra ny ho aviny ijy. Nahakamo ny filavône. Tsisy na ija na ija nankahery anaje. Nitaraigna ijy hoe: "Jerevo ny fahoreko, ry Yaveh, fa nanjary tena angeja be ny fahavalo.10Namela ny tagnany tamin'ny harena sarobidy abiaby ny fahavalo. Efa nahita ny firenena niditra tamin'ny fitoerana masiny tao ijy, na dia efa nibekoiko tsy hiditra amin'ny toeranan'ny fengonana ao aja areo.11Misento aby ny olo abiaby laha nandremby mofo areo. Natakalo mofo ny harena sarobidy ba hampimpody ny ain-dreo. Jerevo, ry Yaveh; ka diniho aho, satria lasa java-pôgna aho. 12Tsisy dikany aminareo ve, anareo abiaby jay mandalo? Jerevo ka ôka ho hitanao laha misy alahelon'olo hôtran'ny alahelo jay menjady aminahe, hatamijay nampijalen'i Yaveh anahy tamin'ny andron'ny hasiekan'ny havignirane.13Hatamin'ny ambony no nandifasany ny afo tamin'ny tôlako, ary nahajo anajy jane. Namelatra harato hôn'ny hongotro Ijy sady nampipody anahe. Natany lao sady vijaka fehijay aho. 14Ny zogan'ny fandikan-dalàko dia niara-nifihejiny tamin'ny alalan'ny tagnane. Nampifandresiny io sady nabela tan-soroko teo. Nandavo ny heriko ijy. Namen'ny Tompo hôn-tagnan-dreo aho, ka tsy tafatsangagna.15Nampisamboaravoara ny lelahy maheriko jay niaro anahy ny Tompo. Efa nangaika ny fengonana hanohitra anahy ijy ba hamotika ny lelahiko matanjaka. Nagnitsakitsaka ny janakavavy virijinin'i Joda tamin'ny famejam-bôloboka tao ny Tompo.16Mitomagny aho nohon'io raha io. Ny masoko, mandeha amin'ny masoko ny rano satria alavitra anahy ny mpankahery jay tokony hampitraka ny fiaignako. Lao ny janako satria nandresy ny fahavalo. 17Namelatra ny tagnany i Ziona; tsisy na ija na ija nankahery anaje. Nibeko i Yaveh fa hônijay magnodidigna an'i Jakoba dia tokony ho fahavalone. Raha maloto amin'dreo i Jerosalema.18Marina i Yaveh, fa aho no nikomy hanohitra ny didine. Mitenoa, anareo ry olo abiaby, ary jerevo ny alaheloko. Lasa gadra ny virijiniko sy ny olo'maheriko. 19Mangaika nekamako aho, nefa namitaka anahy areo. Maty tan-tanàna tao ny mpisoroko sy ny loholoko, raha nandremby rahanina hampody ny anin-dreo.20Ito, ry Yaveh, fa ao agnaty fahorena aho, ary mangotika ny vavogniko, torotoro agnatiko ao ny foko, satria tena nikome tokôtra aho. Ambohony ao, dia mampahory endriny ny mesa, tsisy afa tsy fahafatesana an-dragno ao.Naharegny ny fitaregnako areo, nefa tsisy nankahery anahy. Naharegny ny fahoreko ny fahavaloko abiaby ary faly areo fa vitanao jane. Efa nitondra ny andro nampanantenainao Anao; ary ôka areo ho lasa hôtran'ny anahy amijao. Ôka ny faharatsen'dreo abiaby ho avy alohanao eo. Atôvy hôtran'ny nanôvanao anahy noho ny fahotako abiaby areo. Rahabe ny fitaregnako ka vijaka ny foko.
Chapter 2

1Nandrakotra ny janakavavin'i Ziona tambanin'ny rahon'gny fahavignirana tao ny Tompo. Narieny hatan-dagnitra tamin'ny tany ny famirapiratan'Israely. Tsy nahatsiaro ny fitoeran-kongony Ijy tamin'ny andron'ny fahavignirane. 2Efa niteligna sy tsy nanagna hantra tamin'ny tanà'i Jakoba abiaby ny Tompo. Tamin'ny andron'ny fahavignirany no nandravany ny tanàna mimandan'ny janakavavin'i Joda; tamin'ny fahafaham-baraka no nanjerany ny fanjakana sy ny mpanapakany tamin'ny tane.3Tamin'ny fahavignirana lôtra no nanapahany ny tandrok'Israely abiaby. Nalàny talohan'ny fahavalony ny tagnany ankavanana. Norôny hôtran'ny afo midedadeda jay mandrapaka ny raha abiaby magnodidigna anajy i Jakoba. 4Hôtran'ny fahavalo no nagnenjagnany ny tsipikany tamintsena, vognona ny hanifitra ny ankavanane. Nivoniny ny abiaby jay tena nankasitraka Anajy tatamin'ny lain'ny janakavavin'i Ziona; narotsagny hôtran'ny afo ny havignirane.5Nanjary hôtran'ny fahavalo ny Tompo. Nateligny Israely. Nateligny aby ny lapany abiaby. Efa niravainy ny ferovany mafy. Nampitomboiny ny fisôgnana sy ny fitomagnenatamin'i janaka vavin'i Joda teo. 6Namely ny tavernakeliny hôtran'ny tragno bitike an-jaridaigna Ijy. Niravainy ny fitoeran'ny fengonana magnetriketrike. Efa nampagnadigno ny fengonana magnetriketrika sy ny mesa ta-Ziona i Yaveh, fefa natany tsinotsino tamin'ny ts fahamendrehan'ny fahavignirany ny mpanjaka sy ny mpisorogna.7Nagnary ny alitarany ny Tompo sady nandà ny fitoerany masina. Nameny tan-tagnan'ny fahavalo teo ny mandan'ny lapane. Nanandratra hieke tan'dragnon'i Yaveh, hôtran'ny amin'ny androm-panasana vôtondro areo.8Nanapa-kevitra ny hanimba ny mandan'ny tanànan'ny janakavavin'i Ziona i Yaveh. Nihenjagniny ny tady fandresena ary tsy nitagna ny tady ary tsy nitagna ny tagnany tsy handrava ny manda Ijy. Nampitomagny ny tovon-tany sy ny manda Ijy; niara-nirodagna io. 9Nipotraka tamin'ny tany ny vavahadine; narodagny sy nivakiny ny hidiran'ny vavahadine. Ny mpanjakany sy ny andrieny dia tamin'ny firenena teo, tsisy koa ny lalàna tsy nahita fahitana hatamin'i Yaveh n mpaminagny.10Nipetraka tamim-pahangignana tamin'ny tany ny loholon'ny janakavavin'i Ziona. Nanipy vovoka tan-dohan-dreo ary nanao lamba fisôgnana. Nagnondrika ny lohany tamin'ny tany ny virijinin'i Jerosalema.11poahin'ny ranomaso hatamin'io ny masoko; mangotika ny vavogniko; niraraka tamin'ny tany tagnatiko tao nohon'ny faharinganan'ny janaka vavin'ny oloko, ny faharerahan'ny jaja sy ny jaja mena vava amin'ny lalan'ny tanàna egne. 12Hoy areo amin'ny endrine: "Aja ny vary sy ny divay?" Laha reraka hôtran'ny olo mahantra amin'ny lalan'ny tanàna areo, niraraka tan-tatratran'ny endriny ny ain-dreo tegne.13Ino no ajoko lajaina aminao, ry janakavavin'i Jerosalema? Amin'ny ino anao no ampitahaiko, ba afahako mampionogna anao, ry janaka vavy virijinin'i Ziona? Ny ratranao dia lehibe hôtran'ny ranomasina. Ija no afaka hampahafaka anao? 14Efa nahita fahitana diso sady tsy mendrika hônao ny mpaminagninao. Tsy nampiharihary ny helokao ba hamiregnana ny harenao areo, fa nagnome jaka diso sy mamitaka hônao areo.15Jay abiaby mandalo an-dalagna egny dia mitehigna aminao. Misitrsitra sy mihifikifi-doha amin'ny janakavavin'i Jerosalema areo sady mijaka hoe: "Fa tsy itoy ve jay tanàna jay nangihan-dreo hoe 'jay fahatsarana tonga lafatra,' Ny fifalena hôn'ny tany abiaby'?" 16Manoka-bava sy magneso anao ny fahavalonao abiaby. Magnano fihihejana magneso sy mihidy vajagna areo sady mijaka hoe: "Efa natelignay ijy! Itoy ny fotôgna efa nandiasanay! Niaigna ba hijery jany ahay!"17Natan'i Yaveh jay nieritreretiny atao. Nagnatanteraka ny jakany Ijy. Niravainy tsy nisy hantra anao, fa nagnome alalagna ny fahavalo ba hifaly aminao eo Ijy; nasandrany ny tandrokin'ny fahavalonao.18Nitaraigna tamin'ny Tompo ny fon-dreo, dia ny mandan'ny janakavavin'i Ziona! Arotsaho hôtran'ny renirano andro aman'aligna ny ranomasonao. Aja magnome fielignesana hônao fielegnana hôn'ny masonao. 19Mifohaja, mitalaho amin'ny aligna, dia amin'ny fendohan'ny fembenana aligna! Ahidigno hôtran'ny rano agnatrehan'ny tavan'ny Tompo ny fonao. Asandrato hônAjy ny tagnanao hôn'ny ain'gny janakao jay malemy ny mosary an'jorondalagna abiaby eo."20Jerevo, ry Yaveh, ka hevero hônijay nagnano jany fomba jane. Sa ve tokony hihinagna ny nalôky ny kibony ny viavy, dia ny janaka jay nikarakaraine? Sa ve tokony hivonina amin'ny fitobohana masin'gny Tompo ny mpisorogna sy ny mpaminagny?21Samy mandry amin'ny vovokin'ny lalagna ny tanora sy ny antitra. Lavon'ny mesa ny tovovaviko sy ny tovolahiko; nivoninao stisy hantra areo. 22Nangihanao, hôtran'ny nangihanao ny olo hômin'ny andro firavoravôna, nagnodididgna anahy daholo ny horohoroko, tamin'ny andron'ny havigniran'i Yaveh dia tsisy afa-nilefa na tafavôka-velogna; hônijay efa nikarakaraiko sy nibeajiko, dia niringagnin'ny fahavaloko.
Chapter 3

1Aho dia olo jay nahita fahorena tambavan'ny tsorakajon'ny fahavigniran'i Yaveh. 2Nitarihiny sady nampandihaniny tamin'ny mejigna aho fa tsy tamin'ny majava. 3Ajo antoka fa namadika ny tagnany hanohitra anahy fehijay Ijy, nandritra ny tontolo andro. 4Natany malajo ny nofoko sy ny hoditro; nitapahiny ny tôlako.5Nanangagna fahirano hanohitra anahy Ijy, sady nihodidigniny raha mangidy sy raha sarotra aho. 6Namela anahy tamin'ny toerana mejigna, hôtran'ijay efa maty efa ela Ijy. 7Nanangagna manda nagnodidigna anahy Ijy ka tsy afaka nilefa Aho. Natany mavesatra ny rojoko 8sady na dia mangaika mahare sy miantso vony aja aho, dia ampangininy ny fivavahako.9Nibahagnany tamin'ny manda vita tamin'ny vato vôpaika ny lalako; natany ho meloka ny lalako. 10Hôtra ny bera mandigny hanafika tampoka anahy Ijy, liogna amin'ny fivoneny ao; 11naviliny ny lalako, natany nitoka-monigna aho.12Nagnenjagna Ijy ary namela anahy hôtran'ny kendrin'ny jana-tsipikane. 13Nandefogna ny vahôkako tamin'ny jana-tsipikany tamin'ny fitobohanijany Ijy. 14Nanjary tahirim-pihihejana hôn'ny oloko abiaby aho, raha ny fagnesôn-dreo tontolo andro. 15Nifenôny fahangidiena aho ary nitireny hinogna raha mahafate.16Nitorotoroiny tamin'ny sila-bato ny nifiko; natosigny tagnaty vovoka aho. 17Nalaina tamin'ny fedagnana ny fagnahiko; hadignoko ny atao hoe hafalena. 18Ka dia hoy aho hoe: "Levogna ny faharetako ary hôtranijany koa ny fagnantenako amin'i Yaveh."19Tsarovy ny fahoreko, ny raha mahafaty sy raha mangidy. 20Tsarôko fehijay jany ary mitagnondrika agnatiko ao aho. 21Fa tsarôko jany ka dia managna fagnantenana aho.22Ny fitiavana tsy miovan'i Yaveh dia tsisy fegnenana ary tsisy fefarany ny fangoraham'pone, 23vôvao isa-maraigna io; angejabe ny fahatokenao. 24"Yaveh no lovako," hoy aho, noho jany dia hagnantegna Anajy aho.25Yaveh dia tsara hônijay mandigny Anaje, hônijay mandremby anaje. 26Tsara ny mandigny amim-pahanginana ny famonjen'i Yaveh. 27Tsara hôn'ny olo ny hitondrany ny zoga tamin'ny fahatanorany. 28Ôka ijy hitoboka rerika am-pahanginana, laha apetraka amijany eo. 29Ôka ijy hamela ny vavany amin'ny vovoka egne__angaha hisy ny fagnatenana.30Ôka ijy hagnome ny takolagny anijay mamely anaje, ary ôka ho feno fahafaham-baraka ijy. 31Fa tsy handà antsena mandrakijay ny Tompo, 32fa dia mahatonga alahelo aja Ijy, a hanagna fangoraham-po araka ny haben'ny fitiavana tsy mivadika. 33Satria tsy mampahory ny am'pony ao na mampijaly ny janak'olombelogna Ijy.34Ny magnitsakitsaka ny vôfonja abiaby eto an-tane, 35ny mandà ny rariny hôn'ny olo agnatrehan'ny Ambony Indrindra eo, 36ny mandà ny rariny hôn'ny olo raika__dia tsy eken'ny Tompo ny raha hôtranijane!37Ija no nijaka ka nitranga jane, laha tsy hoe nagneky anijany Yaveh? 38Sa ve tsy avy amin'ny vavan'ny Ambony Indrindra ve no hieven'ny loja sy ny tsara? 39Aôna no hitaraignan'ny olo velogna abiaby? Aôna no hafahan'ny olo mitaraigna momban'ny sajin'ny fahotane?40Andao atsena handinika ny lalan-tsena ary hitsapa an-dreo, ary andao atsena hipody amin'ny Yaveh. 41Andao atsena hananratra ny fontsena sy ny tagnantsena amin'Andremanitra agny an-dagnitra hoe: 42"Nandika sy nikome ahay, ary tsy namela heloka Anao. 43Nandrakotra ny tegnanao tamin'ny havignirana Anao ary nagnenjika anay, namono Anao ary tsy namindra fo.44Nandrakotra ny tegnanao tamin'ny rahogna Anao ba tsy hisy vavaka afaka ho tafiditre. 45Natanao hôtran'ny lo maloto sy nilavina tamin'ny firenena ahay. 46Magnojogna anay ny fahavalonay. abiaby, 47avy taminay ny tahotra sy ny fandrike, ny faharavana sy fahapotehana.48Mikoriegna rien-dranomaso ny masoko satria rava ny oloko. 49Handrotsa-dranomaso tsisy fegnenana, tsisy felignesana ny masoko, 50mandra-pijeriny ambany ka hahita hatan-dagnitra egny Yaveh.51miteraka alahelo hônahy ny masoko noho ny janakavavin'ny tanànako abiaby. 52Nirombejin'ny fahavaloko hôtran'ny vorogna aho; natany haja-lambo amin'ny tsisy antony aho. 53Natsipin-dreo tagnaty hady aho sady nitilin-dreo vato, 54ary nitetejana rano ny lohako. Hoy aho hoe: "Ho faty aho!"55Nangaika ny agnaranao, avy ao amin'ny halalin'gny hady aho, ry Yaveh. 56Regninao ny feoko laha nijaka aho hoe: "Aja manampigna ny sofignao amin'ny antso vonjiko." 57Narivo Anao tamin'ny andro nangihako Anao; hoy Anao hoe: "Aja matahotra."58Tompo o, niaro ny adiko Anao, nagnavotra ny aiko Anao! 59Ry Yaveh, hitanao ny ratsy natan-dreo taminahe; tsarao ny adiko. 60Hitanao ny fagniratsiran-dreo, ny teti-dratsy abiaby natan-dreo taminahe__ 61regninaoy latsan-dreo, ry Yaveh, sy ny teti-dreo abiaby taminahe.62Ny molotr'ijay mitsangagna manohitra anahy, sy ny fempangan-dreo, dia avy mandritry ny tontolo andro. 63Jerevo ny fomba fipetra-dreo sy fitsanganany hateo; magneso anahy amin'ny hirany areo.64Valio arak'ijay natany areo, ry Yaveh. 65Ho atanao tsy megnatra ny fon-dreo! Ho eo amin-dreo anie ny fagnamelohanao! 66Magnenjika an-dreo amin-kavignirana Anao ary mamotika an-dreo hatambani-lagnitra, ry Yaveh!
Chapter 4

1Efa lasa maloto ny volamena; Eeee ny fiovan'ny volamena madio indrindra! Ito vato masina dia niparitaka tan-jorondalagna abiaby. 2Jay janaka sarobidib'i Ziona dia mendrika ny lanjan-dreo amin'ny volamena madio, fa ankehitriny areo dia tsy mendrika noho ny sihô tyanimanga, asa-tagnan'ny mpanefy tanimanga areo!3Na ny amboadia aja manolotra ny tratragny ba hampionogna ny janagny, nefa ny janakavavin'ny oloko diefa lasa lojabe, hôtran'ny ostritsa amin'ny tany efitra agne.4y lelan'ny jaja mio,ogna dia mirekitra amin'ny lagnilagniny noho ny hegnatra; mangataka rahanina ny jaja, tsisy hôn-dreo. 5Hônijay nihinagna rahanina lafo vidy amijao dia mosaregna an-dalagna egne; ônijay nampenarina nisikigna akanjo volomparasy, dia matory amin'ny fako egny misavôgna amijao.6Ny fanajena ny janakavavin'ny oloko dia noho ny qn'i Sodoma, fa niravaina tagnatin'ny fotôgna fohy jane ary tsisy nananga-tagnana ba hitahy anaje.7Ny mpitarika anajy dia lalo nadio noho ny oram-pagnala, lalo fotsy hôtran'ny ronono; ny vatan-dreo dia mena midorehitra hôtran'ny haran-dranomasina, ny tegnan-dreo dia hôtran'ny safira. 8Ny endri-dreo amijao dia mejigna hôtran'ny molaly; tsy fantatra an-dalagna egny areo. Ny hodi-dreo dia nirekitra tamin'ny tôlan-dreo; lasa maigna hôtran'ny hajo jane.9hônijay nivonina tamin'ny mesa dia sambatra tokôtre nohon'ijay matin'ny mosare, jay osa, nilefognina tamin'ny tsy fahampien'ny vokatra hatan-saha. 10Ny tagnan'ny viavy malemy fagnahy diefa nahandro ny janagny mandy; lasa rahanin-dreo nandritry ny fotôgna nandravana ny jaja viavin'ny olo11Naharegny ny havignirany ny abiaby i Yaveh; nandatsaka ny havignirany maseka Ijy. Nandrehitra afo ta-Ziona ba handevogna ny fioregnany Ijy.12Tsy nino ny mpanjakan'ny tane, art tsy nino ny mponin'gnijao tonton jao, fa afaka niditra tamin'ny vavahadin'i Jerosalema ny fahavalo ba mpanohitra. 13Nitranga jany noho ny fahotan'ny mpaminagny sy ny helokin'ny mpisorogne ijay efa nandatsaka ny ràn'ny marina tagnivone.14Nirenireny, jamba, jaka amin'ny lalana areo. Tena vôloto indrindra tamijany ra jany areo ka tsy nisy navela ba nikasika ny akanjon-dreo. 15"Melà! a maloto!" hoy ny hiekan'ny olo tamin-dreo. "Melà! Melà! Aja mikasika!" Ka nivengivengy areo; hoy ny vahôka tamin'ny firenena hoe: "Tsy mahajo miegnina eto koa areo."16Yaveh mihintsy no nagnaparitaka an-dreo; tsy nijery an-dreo koa Ijy. Tsy magnome voninahitra ny mpisorogna areo, ary tsy nampiseho fankatoavana tamin'ny loholo.17Poahina ny masonay, miandry vasoka jay hitahy anay; hatamin'ny tilikambo fembenanay no nijerevanay ny firenena jay tsy afaka namonjy anay. 18Nagnaraka ny dienay areo, tsy afaka nandeha tamin'ny lalagnay ahay. Marivo ny fefaranay sady Vôisa ny andronay, efa ho avy ny fefaranay.19Ny mpagnenjika anay die malaky noho ny tsipara an-dagnitra egne. Nagnanjaka anay tan-tendrombohitra areo sady nagnano fialigna hônay tan-tany efitra. 20Ny fofogn'aigna amin'ny vavaorognay eo die__ijay vôhosotr'i Yaveh__Ijy no vôsambotra tan-dava-dreo; ijay nilajaina hoe: "Ambanin'ny olony ao dia hahavelogna anay amin'ny firenena abiaby."21Mifalea sy miravoa, ry janakavavin'i Edoma, anao jay monigna antanin'i Ojogna. Fa hônao hiany koa no handrosôna ny kapôke; ho mamo anao sady hampijily ny tegnanao. 22Ô janakavavin'i Ziona, efa ho vita ny sajinao, tsy handrakotra ny fahotanao ijy.
Chapter 5

1Tadidio, ry Yaveh, jay nanjò anay, jirevo sady diniho ny fafaham-barakanay. 2Nafindra hôn'ijay vahiny ny lovanay; ny tragnonay hôn'ny hafa firenena. 3Nanjary kamboty ahay, kamboty rae, sady endrinay dia hôtran'ny mpitondrategna. 4Tsy mentsy mandoa volafotsy hôn'ny rano nomina ahay, sady tsy mentsy mandoa volafotsy vô mahajo ny kintagnay.5hônijay magnanjaka anay dia marivo afaranay; vijaka ahay sady tsy mahita fiegnenana. 6Efa nanolo-tegna hôn'i Egypta sy Asyria ahay ba hajahôna rahanina antognone. 7Nanota ny rajambenay, sady tsy eo koa areo, ary ahay no mijaka ny helo-dreo.8Jay andevo no manjaka aminay eo, sady tsisy hagnafaka anay an-tagnandreo eo. 9Magnano sorogna ny aignay ahay vô mahajo ny mofonay, nohon'ny mesa an'gnefitre. 10Niha-nahamay hôtran'ny fatagna ny hoditray tratrin'ny havignirana milelalela.11Vôolagna ny viavy ta-Wiona, sy ny virijiny tamin'ny tanànan'i Joda. 12Nasampy tamin'ny tagnany koa ny andrendahy, qady tsy nomem-boninahitra ny loholo.13Nitirena hagnory vary tamin'ny fagnorem-bary ny tovolahy, ary ny jaja lelahy dia mivembegna mitakogna hajo. 14Nenga tamin'ny vavahadin'ny tanà ny loholo, sady nagnavela ny raha-magnenon-dreo ny tovolahy.15Niegnina ny hafalem-ponay sady niova ho fisôgnana ny dihinay. 16Trotraka hatan-dohanay ny satro-boninahitra; loja hônay, satria nanota ahay!17Noho jany die nanjary narary ny fonay, sady nanjary jamba ny masonay, noho ny raha io dia nanjary jamba ny masonay, 18satria ny tendrombohitr'i Wiona nitoka-monigna, jay misy amboadia ùivejivejy aminajy eo.19Fa anao, a Yaveh, dia manjaka mandrakijay, sady Anao dia hipetraka amin'ny seja fiendriagnanao eo hatamin'ny taranaka fara-mandimby. 20Nahôna ahay no hadignonao mandrakijay? Nahôna Anao no mahafoy anay mandritra ny andro maro? 21Ampodiano Aminao ahay, ry Yaveh, dia hipody. Havôjy hôtran'ny taloha ny andronay__ 22laha tsy hoe efa nilavinao tanteraka ahay sadsy tena vignitra lôtra aminay Anao.

Daniel

Chapter 1

1Tamin'ny taogna fahatelo nanjakan'i Joikima mpanjakan'ny Joda, Nebokadnewara mpanjakakan'i Babilona avy ta-Jerosalema sady nagnodidigna ny tanàna ba hanapaka ny fa,atsiena abiaby hônijane. 2Ny tompo magnome fandresena an'i Nebokadnezara tamin'i Joiakima mpanjakan'i Joda, ary ijy nagnome anajy tamin'ny raha masina hatamin'ny tragnonan'Andremanitra. Nitondra anio hômin'ny tanin'i Babylona ijy, hôn-dragnon'Andremanine, sady nabelany tamin'ny fipitrahan-drakitry ny andremaniny tao ny raha masina.3Sady nivoria tamin'i Aspenawa, jay lehiben'ny manampahefany, ny mpanjaka ba hitondra ny sasagny amin'ny janak'Israely, amin'ny fenakaven'andrena sy jay ambony firajagnana-- 4tovolahy tsisy kilema, magnitogna amin'ny endrika ivelany, mahay amin'ny fahendrena abiaby, feno fahalalana die fahejana die fahajavan-tsaigna, sady vôfantigna ba hanompo amin'ny lapan'ny mpanjaka ao. Ijy dia hampianatra an-dreo ny literatiora Babylona sy ny fijakane. 5Nanisan'ny mpanjaka anjara isan'andro manokagna amin'ny rahaniny die ny sasagny amin'ny divay ninominy areo. Jay lelahy matanjaka dia nampiofagnina nandritra ny telo taogna, ka tafaran'ijay, dia hanompo ny mpanjaka areo.6Agnisan'io i Daniela; Hanania; Misaela ary i Azaria, jay sasagny amin'ny olon'ny Joda. 7Namen'ny lehibe manampahefana agnarana areo: Daniela nangihana hoe Beltesazara, Hanania nangihana hoe Sadraka; Misaela nangihana hoe Mesaka, Azaria koja nangihana hoe Abednego.8Fy Daniela nihevitra tan-saigny fa tsy handoto ny tegnany amin'ny hanim-pin'ny mpanjaka sy ny divay jay ninominy ijy. Ka nangataka alalagna tamin'ny lehiben'ny manam-pahefana ijy ba tsy handoto ny tegnany. 9Ary namen'Andremanitra sitraka sy fangoraham-po Daniela tamin'ny fagnajan'ny lehibe manam-pahefana anaje. 10Nijaka tamin'i Daniela ny lehibe manam-pahefana hoe: ''Matahotra ny mpanjaka tompoko aho. Ijy no nandidy ny rahanina sy java-pisotronareo. Nahôna ijy no tokony hahita faharatsena aminao egny mihôtran'ny tovolahy hafa jay mitovy taogna aminao? Mety hitapahin'ny mpanjaka nohônao ny lohako.''11Avy teo Daniela nivoria tamin'ny mpitandrin-draharaha jay nitendrten'ny manampahefana lehibe hôn'i Daniela, Hanania, Misaela ary Awaria. 12Hoy ijy: ''Jahavo toetra moa ahay mpanomponao mandritra ny folo andro. Ameo legioma hoanina sy rano hinomina fotsiny ahay. 13Dia ampitovio amin'ny endrika ivelan'ny tovolahy jay mihinagna ny hanim-pin'ny mpanjaka ny endrikay ivelane, sady atôvy aminay, mpanomponao, araka jay hitanao.''14Ka dia niombon-kevitra taminajy hanao anijany ny mpitandrin-draharaha, ka nijaha toetra an-dreo nandritra ny folo andro ijy. 15Tamin'ny faran'ny hafolôna ny endrika ivelan-dreo dia lasa tena nahafaka sady vôfafa tsara mihôtra noho ny tovolahy jay nihinagna tamin'ny hanim-pin'ny mpanajaka. 16Ka dia nalain'ny mpitandrin-draharaha ny hanim-piny sy ny divain-dreo sady legioma hiany no na,eny an-dreo.17Laha ny amin'ny tovolahy efatra io, namen'Adremanitra an-dreo ny fahalalana sy fahalalignan-tsaigna amin'ny literatiora abiaby sy ny fahendrena, sady afaka mahatakatra ny karajagna fahitana sy nofe abiaby i Daniela. 18Tamin'ny fefaran'ny fotôgna jay napetraky ny mpanjaka hitondrana an-dreo, dia nitondra an-dreo alohan'i Nebokadnezara ny lehibe manampahefana.19Nivoria tamin-dreo ny mpanjaka, ary tsy nisy hôtran'i Daniela, Hanania, Misaela, Azaria tamin'ny vondrogna iaray manontolo. Nijaridigna talohan'ny mpanjaka areo, Vognona ny hanompo anaje. 20Tamin'ny fagnotanena abiaby mahakasika ny fahendrena sy ny fahajavan-saigna jay napetraky ny mpanjaka an-dreo, dia lalo vôvalin-dreo tsara avo folo hieny mihôtran'ny an'ny ombiasa sy jay milaja ho mivoria amin'ny mate, jay tamin'ny fanjakany manontolo jane. 21Tagny fehijay i Daniela hatamin'ny taogna vôlohany nanjakan'ny mpanjaka Kirosy.
Chapter 2

1Tamin'ny taogna faharoa nanjakan'i Nebokadnezara, dia nagnonofy ijy. Nihorohoro ny saygny, sady tsy afaka natory ijy. 2Ka nampangaika ny ombiasa sy hônijay nilaja ho mivoria amin'ny maty ny mpanjaka. Nangaika ny mpagnano ody sy jay olon-kendre hiany koa ijy. Naniry an-dreo hilaja anajy ny momba ny nofiny ijy. Ka niditra areo sady nijoro talohan'ny mpanjaka.3Hoy ny mpanjaka tamin-dreo hoe: ''Nagnonofy aho, aminio ny saiko dia nitebiteby ny hahafantatra ny dikany ny nofe.'' 4Aviteo dia nivoria tamin'ny mpanjaka tamin'ny jaka Aramiana ny olon-kendry: ''E mpanjaka, ho velogna mandrakijay! Lajay aminay mpanomponao ny nofe, ary ahay hagnambara ny dikane."5Na,aly an'ny olon-kendry ny mpanjaka hoe: ''Efa nilamigna jany raharaha jane. Laha tsy lajainareo sady lajainareo anahy ny nofe, dia ho ,potipotika ny vatagnareo sady ny tragnonareo hatao korotam-pako. 6Fa laha lajainarteo anahy ny nofy sy ny dikany, dia hahajo fagnomejana hataminahe anareo, valisoa raike, die voninahitra angejabe. Ka lajao anahy ny nofy sy ny dikane.''7Dia namaly koa areo hoe: 'Ôka ny mpanjaka hilaja aminay mpanompone, ny nofy dia hilajainay anao ny dikane.'' 8Namaly ny mpanjaka hoe: 'Fantatro tsara fa te hahajo fotôgna mihôtra anareo satria hitanareo fa tena hentitra ny fanapahan-kevitro momba ijane. 9Fa laha tsy lajainareo aminahy ny nofe, dia raika mandy ny jakako hônareo. Nanapa-kevitra ny hagnomagna jaka diso sy fitaka jay nifagnekenareo hilajaina taminahy anareo mandra-piova n,y hevitro. Ka lajao anahy ary ny nofe, dia ho fantatro fa afaka mandika anijany aminahy anareo.10Na,aly ny olon-kendry ny mpanjaka hoe: ''Tsisy olo eto an-tany afaka hagnatanteraka ny fangatahan'ny mpanjaka. Tsisy mpanjaka lehibe sy mahery bola nangataka raha hôtranijany hatamin'ny ombiasa, na hatamin'ijay na ija milaja fa mivoria amin'ny mate, na hatamin'ny olon-kendre. 11Sarotra ny raha angatahin'ny mpanjaka, sady tsisy na ija na ija afakja milaja anijany amin'ny mpanjaka afa-tsy ny andremanitre, sady tsy miaigna amin'ny olombelogna eo areo."12Nahasorena sady nahavignitra ny mpanjaka jane, ka nagnome beko handringagna ny abiaby a Babylona jay fantatra tamin'ny fahendreny ijy. 13Ka nivôka ny lalàgna fa ny abiaby jay fantatra tamin'ny fahendren-dreo dia hivonina. Noho io lalàna io, dia nandremby an'i Daniela sy nekamany areo ba hafahana mamono an-dreo.14Ary i Daniela namaly am-pilaminana sy am-pisqaignana an'i Arioka mpifehy ny mpiambigna ny mpanjaka, jay avy hamo,o ny abiaby ta-Babylona jay fantatra tamin'ny fahendren-dreo. 15Nagnotany ny mpifehin'ny mpanjaka i Daniela hoe: "Nahôna no dia maika hôtran'ijany ny lalàn'ny mpanjaka?" ka nilajain'i Arioka tamin'i Daniela jay nitranga. 16Aviteo Daniela niditra sady nangataka ny hiteno tamin'ny mpanjaka ba hahafahany magnano ny fandikana hôn'ny mpanjaka.17Aviteo dia nandeha an-dragnony sady nagnajava jay nitranga tamin'i Hanania, Misaela, die Azaria i Daniela. 18Nampirisika an-dreo handremby famindram-po hatamin'ny Andremanitry ny lagnitra ijy mahakasika a,io raha mivony io ba tsy hamonôna anajy s-ereo miaraka amin'ny olo nivela ta-Babylona jay fantatra amin'ny fahendren-dreo.19Tamin'io aligna io dia nambara tamin'i Daniela tagnaty fahitana ny raha mivony. Dia nidera an'Endremanitry ny lagnitra i Daniela 20sady nijaka hoe: "Miderà negnaran'Andremanitra mandrakijay doria; fa Anajy ny fahendrena sy ny here.21Magnova ny fotôgna sy ny vanim-potôgna Ijy; mangala sady mametraka ny mpanjaka amin'ny seja fiendriagnany eo Ijy. Magnome fahendrena hôn'ny hendry Ijy sady fahalalana hônijay managna fahajavan-saigna. 22Mampiseho ny laligna sy ny raha mivony Ijy satria fantany ny agnatin'ny fahamejignana ao, ary ny hajavana miaigna aminajy ao.23Ô ry Andremanitry ny rajambeko, misaotra Anao aho sady midera anao noho ny fahendrena jay namenao anahe. Efa nampahafantarinao anahy amijao jay nangatahinay taminao; nampahafantarinao anay ny raha mampitebiteby by mpanjaka.''24Aviteo dia niditra i Daniela hijery an'i Ariuoka (jay nitindren'ny mpanjaka hamono ny olo hendry abiaby ta-Babylona). Nandeha ijy sady nijaka tamin,ajy hoe: "Aja mamono ny olon-kendry a-Babylona agne. Andôsy amin'ny mpanjaka agny aho die hatoroko ny mpanjaka ny dikan'ny nofine."25Dia nandan'i Arioka malaky tmin'ny mpanjaka i Daniela sady nijaka hoe: "Nahita lelahy raika tamin'ny olon'i Joda jay natao sesitany ahay hagnambara ny dikan'ny nofin'ny mpanjaka aho.'' 26Hoy ny mpanjaka tamin'i Daniela (Jay natao hoe Beltesazara): "Môve anao afaka ny hilaja aminahy ny nofy jay hitako miaraka amin'ny hevine?"27Daniela namaly ny mpanjaka ka nanao hoe: "Ny raha mivony jay nagnotanian'ny mpanjaka dia tsy ajon'ijay managna fahendrena atory, na ijay milaja fa mivoria amin'ny mate, na amin'ny alalan'gny omboasa, ary tsy amin'ny alaln'ny mpagnandro. 28Na die ijany aja, misy Andremanitra jay monigna an-dagnitra, jay magnambara ny raha mivony, sady efa nampahafantariny anao, a Nebokadnezara mpanjaka, jay hitranga amin'ny andro vôhoavy. Ito aby ny nofinao miaraka amin'ny fahitan'ny saignao laha natory tamin'ny fatorenao teo anao.29Laha neminao, a mpanjaka, ny fisaignanao am-pandrenao eo dia momba ny raha ho avy, sady jay magnambara ny raha mivony diefa nampahafantatra anao jay hitranga. 30Laha ny aminahe, jany raha mivony jany dia tsy nilajaina taminahy nohon'ny fahendrena jay hanagnako bebe kokoa mihôtran'ny olombelogna hafa. Nambara taminahy jany raha mivony jany ba hahatakaranao ny dikane, ô mpanjaka, sady ba hahafahanao mahafantatra bny eritreritra laligna agnatinao ao.31Ô mpanjaka, nitraka anao sady nahita sarivongagna angejabe. Io sarivongagna io, jay mahery tokôtra sady mamirapiratre, dia nijoro talohanao. Mampihorohoro ny famirapiratane. 32Ny lohan"ny sarivongagna dia namboarina tamin'ny volamena farany jay tsara. Ny tratrany miaraka amin'ny sandriny dia vita tamin'ny volafotsy. Ny agnivony sy ny feny die vita tamin'ny varahigna, ny randronijany dia namboarina tamin'ny vy. 33Ny hongotrijany dia vita tamin'ny vy ny ampahany die tanimanga ny ambine.34Nitraka anao, ka nisy vato tapaka raike, na dia tsy tamin'ny alalan'ny tagnan'ny olo aja, sady namely ny sarivongagna tamin'ny hongony vy niaraka tamin'ny tanimanga teo jane, sadsy nandrava an-dreo. 35Aviteo ny vy, ny tanimanga, ny varahigna, ny volafotsy, ny volamena dia potipotika ka nanjary hôtran'ny mongom-bary amin'ny famolôna amin'ny fahjavaratra eo. nitsiofin'ny rivotra io ka tsy nisy soritran-dreo nivela. Fa ny vato jay namely ny sarivonagna dia nanjary tendrombohitra angejabe sady nameno ny tany abiaby.36Ijany no dikan'ny nofinao. Ary henga hilaja ny heviny amin'ny mpanjaka ahay jao. 37Anao, a mpanjaka, no mpanjakan'ny mpanjaka jay namen'Andremanitry ny lagnitra ny fanjakana, nyu fahefana, ny here, ary ny voninahitre. 38Efa natany tam-pelatagnanao teo ny toerana hipitrahan'ny olombelogna. Ary efa nameny tam-pelatagnanao teo ny bibin'ny saha miaraka amin'ny voron'gny lagnitra, sady efa nagnano anao ho panapaka amin'io abiaby eo io Ijy. Anao no lohan'ny sarivongagna volamena.39Afara ao, dia hisy fanjakana hafa hitsangagna jay ambany nohônao, Kanefa ny fanjakana varahigna fahatelo dia hanapaka amin'ny tany abiaby eo.40Ary hisy fanjakana fahefatra, mafe hôtran'ny vy, satria ny vy mamaky ny raha hafa sy manorotoro ny raha abiaby. Manorotoro io raha abiaby jany io ka mamotika an-dreo.41Araka jay hitanao; ny hongotra sy ny rantsagny dia vita tamin'ny tanimanga nandrahôna sy vy ny ampahane, ka dia ho fanjakana vôjara jane; ny sasagny amin'ny herin'ny vy dia hôminijane, araka jay efa nahitanao ny vy naharo tamin'ny tanimanga malefaka. 42Satria ny ratsa-kongony dia namboarina tamin'ny vy ny ampahany die tanimanga ny ambine, diua ho mafy ny fanjakana amin'ny ampahany ary halemy ny ambine. 43Hôtran'ny nahitanao ny vy naharo tamin'ny tanimanga malefaka, dia hiharo ny olo; tsy hiara-hiegnina areoi, hôtran'ny vy tsy miharo amin'ny tanimanga.44amin'ny andron'io mpanjaka io, dia hamela ny fanjakana jay tsy ho vôrava mihintsy, na ho babon'ny nolon-kafa ny Andremanitry ny lagnitra. Handravarava ny fanjakana hafa jany sady hampegnina an-dreo abiaby, ary die hipetraka mandrakijay jane. 45Araka jay efa hitanao, nisy vatolampy raika nanapaka tendrombohitra, fa tsy ba tamin'ny tagnan'olombelogna. Nanapatapaka ny vy, varahigna, tanimanga, volafotsy, volamena jane. Efa nampahafantarin'Andremanitra lehibe anao, ô mpanjaka, jay hitranga afaran'ijane. Marina ny nofy sady ajo antoka itoy fandikana toy."46Nampekohoka ny tavagny tagnatrehan'i Daniela i Nebokadnezara sady nagnaja anaje; nandidy ny hanôvana fagnatitra raika ijy die ditin-kajo magnitra hatolotra hônaje. 47Hoy ny mpanjaka tamin'i Daniela hoe: "Tena ny Andremanitra no Andremanitry ny andremanitra, ny tompon'ny mpanjaka, ary jay magnambara ny raha mivony, satria afaka magnambara jany raha mivony jany anao."48Aviteo natan'ny mpanjaka nanagna ny haja ambony i Daniela sady nameny fagnomejana mahafinaritra. Nagnano anajy ho mpanapaka tamin'ny faritanin'ny Babylona abiaby ijy. Nanjary lehiben'ny governora tamin'ny olon-kendry indrindra an'i Babylona i Daniela. 49Nambôtra fangatrahana raika tamin'ny mpanjaka i Daniela, sady nitindren'ny mpanjaka i Sadraka, Masaka, Abednego ba ho mpandrindra amin'ny faritanin'i Babylona eo. Fa Daniela koja nipetratra tamin'ny lapan'ny mpanjaka tao.
Chapter 3

1Nambôtra sarivongagna volamena i Nebokadnezara mpanjaka jay enimpolo metatra ny halavany ary enina metatra ny sakane. Napetragny tamin'ny lemak'i Dora tamin'ny faritanin'ny Babylona tao jane. 2Dia nandefa hafatra i Nebokadnezara ba hampivory miaraka ny governoram-paritany, ny governora tan-toerana, miaraka amin'ny mpanolo-tsaigna, ny mpitam-bola, ny mpitsara, ny mpahay lalàna, ny manam-bohitry ny faritany ambony abiaby ba ho avy amin'ny fitokagnana ny sarivongagna jay efa natsangagne.3Dia niaraka nivory ny goverinoram-paritany, ny goverinoram-paritra, miaraka amin'ny goverinora tan-toerana teo, niaraka teo koa ny mpanolo-tsaigna, ny mpitam-bola, ny mpitsara, ny mpahay lalàna, ny manamboninahitry ny faritany ambony abiaby ba ho avy amin'ny fitokagnana nny sarivongagna jay efa natsangan'gni Nebokadnezara. Nijoro talohanijany areo. 4Dia nisy mpikabary nihieka mahare hoe: "Didiena anareo, a vahôka, a firenena, sy ny fijakana samihafa, 5fa amin'ny fotôgna harignesanareo ny feon'ny antsiva, antsodigna, sitara, lokanga, harpa, farara, sy ny karajan-draha magneno abiaby, dia tsy mentsy miondrika sady menkohoka amin'ny sarivongagna volamena eo jay efa natsangan'gni Nebokadnezara mpanjaka anareo.6Na ija na ija tsy miondrika manompo, amijany fotôgna jany mihintsy, dia hatsipy agnaty lafôro milelalela ao." 7Ka laha naharegny ny feon'ny antsiva, antsodigna, sitara, lokanga, harpa ary farara, sy ny karajan-draha magneno abiaby ny vahôka manontolo, ny firenena, sy fijakana dia niondrika sady nenkohoka tamin'ny sarivongagna volamena jay efa natsangan'gni Nebokadnezara mpanjaka8Ary taminio fotôgna io dia nisy Kaldeana avy sady nitondra fiempangana hanogitra ny Jiosy. 9Hoy areo tamin'i Nebokadnezara mpanjaka: ''Ô mpanjaka! Ho velogna mandrakijay anie anao! 10Anao, a mpanjaka, diefa nagnano lalàna fa ny olo abiaby jay maharegny ny feon'ny antsiva, antsodigna, sitara, lokanga, harpa, farara, ary ny karajan-draha magneno abiaby, dia tsy mentsy miondrika sady miankohoka amin'ny sarivongagna volamena eo.11Na ija na ija tsy miondrika sy manompo dia tsy mentsy hatsipy agnaty lafôro molelalela ao. 12Ary misy jay Jiosy jay nitindrenao amin'ny raharam-paritanin'i Babylona; ny agnaran-dreo diua Sadraka, Mesaka, Abednego. Io lelahy telo lahy io, a mpanjaka, dia tsy niteno anao. Tsy hivavaka na hanompo ny andremanitrao areo, na henkohoka alohan'ny sarivongagna volamena jay efa natsangagnao."13I Nebokadnezara, feno hasorenana sy havignirana, dia nandidy ny hitondrana a,'i Sadraka, Mesaka, Abednego hô,inajy eo. Ka nandan-dreo talohan'ny mpanjaka areo telolahy lelahy. 14Hoy Nebokadnezara tamin-dreo: "Efa nandefa fisaignanareo ve anareo a Sadraka, Mesaka, Abednego, fa tsy hanompo ny andremanitro ka henkohoka alohan'n,y sarivongagna volamena jay efa natsangako eo?15Ary laha vognona anareo___laha miegnina ny feon'ny antsiva, antsodigna, sitara, lokanga, harpa, farara, ny karajan-draha magneno abiaby__ny hiondrika sady henkohoka jay efa namboariko, dia hilamigna ny raha abiaby. Fa laha tsy manompo anareo, dia hatsipy agnaty lafôro milelalela tsisy hatakandro. Ija no andremanitra afaka mamonjy anareo an-tagnako eo?"16Namaly ny mpanjaka i Sadraka, Mesaka, Abednego hoe: "Ô Nebokadnezara, tsy mila mùamaly anao amijany raharaha jany ahay. 17Laha misy valine, dia ny Andremanitray jay tomponay no afaka miaro anay amin'ny lafôro ùolelalela, sady hamonjy anay tsy hôntagnano ijy, a mpanjaka. 18Fa na tsy jany aja, dia ôka ho fantatrao, a mpanjaka, fa tsy hanoimpo ny andremanitrao ahay, sady tsy hen,kohoka amin'ny sarivongagna volamena jay efa natsangagnao."19Dia feno fahavignirana i Nebokadnezara; niova tamùin'i Sadraka, Mesaka, Abednego ny endrigne. Nidiedieny fa tokony hafanaina im-pito mahamay lôtra noho ny hafanany mahajatra ny lafôro. 20Dia nandidy lelahy matanjaka rahabe tamin'ny tafigny tao ijy ba hamehy an'i Sadraka, Mesaka, Abednego ka hanipy an-dreo agnaty lafôro milelalela ao.21Nifihejina bola tamim-pekanjôna ny akanjolavane, ny kapôtine, ny satrogne, ny fitafena hafa areo, ka natsipy tagnaty lafôro milelalela. 22Satria hentitra ny fagnarahana ny bekon'ny mpanjaka sady nahamay be ny lafôro, dia namono ny lelahy jay nampakatra an'i Sadraka, Mesaka, Abednego ny lelanafo. 23Io lelahy telo io, jay Sadraka, Mesaka, Abednego, dioa lavo tagnatin'ny lafôro milelalela tao areo sady nifehe.24Dia gaga Nebokadnezara mpanjaka ka nitsangagna malaky. Nagnotany ny mpanolotsaigny ijy hoe: "Môve tsy natsipintsika ny fehy tagnaty afo ijy telolahy?'' Dia namaly ny mpanjaka areo hoe: "Eka tokôtra, a mpanjaka." 25Hoy ijy: "Nefa aho mahita lelahy efatra tsy mifehy mandehandeha agnaty afo ao, sady tsy magnino areo. Ny fanjelatry ny fahefatra dia hôtra ny janak'ijay andremanityra."26Dia nagnantogna ny varangaran'gny lafôro milelalela i Nebokadnezara ka nangaika mahare hoe: "Ô Sadraka, Mesaka, Abednego, mpanompon'Andremanitra Ambony indrindra, mivoaha! Mandihana atoy!'' Dia nivôka hatamin'ny afo tao i Sadraka, Mesaka, Abednego. 27Ny goverinoram-paritany, ny goverinoram-paritra, ny goverinora hafa, ny mpanolo-tsain'gny mpanjaka jay niara-nivory dia nahita anio lelahy io. Tsy nampagnino ny vatan-dreo ny afo; tsy may ny volon-dohan-dreo; tsy simba ny fitafien-dreo; sady tsy nisy fofogn'afo taminaje.28Hoy Nebokadnezara: "Andao atsena hidera ny Andremanitr"i Sadraka, Mesaka, Abednego, jay nandefa ny iragny sady n,agnome anijao hafany jao hôn'ny mpanompone. Natoky Anajy areo laha nandà ny bekoko, sady nahafoy ny vatagny areo hôtranijay hanompo sady henkohoka amin'ijany andremanitra afa-tsy ny Andremani-dreo.29Ka die manao lalàna aho fa jay vahôka, firenena, na fijakana jay milaja raha hanohitra n'Endremanitr'i Sadraka, Mesaka, Abednego dia tsy mentsy ravaina, ary ny tragnon-dreo dia tsy mentsy atao ho ahitra mivangongo satria tsisy andremani-kafa afaka magnavotra hôtranijao.'' 30Dia nampisondrotra an'i Sadraka, Mesaka, Abednego tamin'ny faritanin'i Babylona tao ny mpanjaka.
Chapter 4

1Nandefa anijao didy jao hôn'ny vahôka, ny firenena sy fijakanba abiaby jay nonigna tetoy ambonin'ny tany i Nebokadnezara mpanjaka hoe: "Hampitomboina aminareo anie ny fedanana. 2Hôtrany tsara aminahy ny milaja aminareo ny famantarana sy raha mahagaga jay namboarin'ny Ambony indrindra taminahe. 3Angeja be lôtra ny famantarane, sady mahery lôtrta ny raha mahagagane! Fanjakana tsy manam-pahataperana ny fanjakane, sady maharitra hatamin'ny taranaka afara mandimby ny fanapahane.4Aho, Nebokadnezara, dia nonigna tamin-kafalena tan-dragnoko, sady nankafy fahombiajana aho tamin'ny lapako tao. 5Fany nampatahotra anahy ny nofiko raike. Laha natory igny aho, dia nampikorontagna anahy ny kisarisary sy ny fahitana jay tato an-saiko. 6Ka dia magnome didy aho amijay hitondrana taminahy teo ny lelahin'i Babylona abiaby jay nanam-pahendrena laha afaka handika ny nofy hônahy areo.7Ary dia avy ny ombiasa, ijay milaja fa mivoria amin'ny mate, ny olon-kendre, hônijay mpanandro. Nagnambara ny nofiko tamin-dreo aho, fa tsy afaka handika anijany taminahy areo. 8Nefa niditra i Daniela tamin'ny farany__ny raika jay nangihana hoe Beltesazara araka n'egnaran'andremanitro, misy fagnahin'ny andremanitra koa agnatiny ao__sady nilaja tamin'ny nofiko aho. 9"Ô Beltesazara, ambiasabe, fantatro fa aminao ao ny fagnahin'Andremanitra masina sady tsisy raha mivony jay sarotra aminao mandy koa. Lajay anahy jay hitako tagnaty nofiko tao sady ino ny tena dikane.10Ito aby ny fahitana jay hitako tan-saiko laha natory tam-pandreko aho: nandinika aho, sady nisy hajo raika tagnivon'ny tane, lehibe tokôtra ny halavanijane. 11Nihanitombo ny hajo ka lasa nahere. Nagnanika ny lagnitra ny tendrony, ary afaka mahita anijany hatrany amin'ny vajan-tany manontolo. 12Tsara ny ravigne, rahabe ny vône, sady ny rahanina hôn'ny abiaby tam-bonyny teo. Nahita felofana tam-baniny ny bibidia, ary ny voron'gny habakabaka nonigna tamin'ny rantsagne. Vôfahagna hatamijany aby ny raha manan'gnaigna abiaby.13Nahita tan-saiko aho tamin'ny aho natory tam-pandreko, sady nisy iraka masina raika nidigna hategny amin'ny habakabaka. 14Nihieka mahare ijy ka nanao hoe: 'Tapahy ny hajo ka rantsagno ny tagnatagnany, alay ny ravigne, sady aparitaho ny vôny. Ôka ny biby hilefa hatam-banin'ijany eo ary ny vorogna hagnembogna alavitra ny tagnane.15Abilay ny fototry ny vahany hôgnaty tane, fihejo amin'ny fehim-by sy varahigna, agnivon'ny ahitry saha eo. Abilay ijy ho legna ny andon'ny habakabak. Aleo ijy hivelogna miaraka amin'ny biby amin'ny vonikawo amin'ny tany egne. 16Ôka ny fisaignany hiova fisegnan'olo, sady ny fisegnam-biby no hame anajy hatamin'ny fahalasan'ny fito taogna.17Jany fanapahan-kevitra jany dia hatamin'ny didy nitanterahin'ny irake. Jany fanampahan-kevitra jany no natan'ny masina ba ahafahan'ny velogna mahafantatra fa manapaka manerana ny fanjakan'ny vahôka jay Ambony Indrindra sady magnome an-dreo hôn'ny olo jay tieny hapetraka amin-dreo eo, na dia ny lelahy faran'ijay manetry tegna aja.' 18Aho, Nebokadnezara, no nanagna anijany nofy jane. Amijao anao, a Beltesazara, lajay anahy ny dikane, satria tsisy amin'ny lelahy hendrin'ny fanjakako aby io afaka handika ny anijany hônahe. Fa anao no ba afaka manao anijane, satria aminao ao ny fagnahin'Andremanitra masina."19Ary Daniela, jay nangihana hiany koa hoe Beltesazara, dia tohigna mare nadritra ny fotôgna kele, ka nanaitra anajy ny fisaignane. Dia hoy ny mpanjaka hoe: "Ô Beltesazara, ajha avela hagnatitra anao mihintsy ny nofy na ny dikane." Namaly Beltesazara hoe: "Topoko ô, aleo ba hômijay mankahala anao anie ny nofe; hôn'ny fahavalona anie ny dikanijane.20Ny hajo jay hitanao__jay nitombo ka lasa nahere, sady jay avy tan-dagnitra ny lengone, ka ajo nijirevana tamin'ny faran'ny tany abiaby tagny__ 21jay tena tsara tokôtra ny ravigne, sady rahabe ny vône, ba hisien'ny rahanina hôn'ny abiaby amijany ao, ary ambaniny ao no ahitan'ny biby ny saha findognane, sady nonegnan'ny voron'gny habakabaka taminajy tao__ 22jany hajo jany dia anao, ô mpanjaka, anao jay nitombo ho tena mahere. Nihanitombo ny fahalehibiajanao ka nanakatra ny lagnitra, ary ny fanapahanao hatamin'ny tany amin'ny faran'ny tane.23Anao, a mpanjaka, no nahita ny iraka masina nidigna hatan-dagnitra ka nijaka: "Tapaho ny hajo sady poteho jane, nefa abilay ny vahany hômin'ny tane, fihejo amin'ny fehim-by sy varahigna, agnivon'ny ahitra malemin'ny saha eo. Abilay ho legna ny ando hatan-dagnitra jane. Aleo ijy hivelogna hiaraka amin'ny bibidia amin'ny saha egny mandra-paha lasan'ny fito taogna.'24Ijany no dikany, a mpanjaka. Ijany no didin'ny Ambony Indrindra jay nipaka taminao, a tompoko mpanjaka. 25Halaina amin'ny olo anao, sady hipetraka miaraka amin'ny bibidia amin'ny saha agne. Hampihinagna ahitra hôtran'ny aomby anao, ary ho legna ny ando hatan-dagnitra, ka fito taogna no handalo mandra-piekenao fa ny Ambony Indrindra no manapaka amin'ny fanjakan'olo eo sady Ijy no magnome an-dreo hômin'ny olo jay iriene.26Araka ny nandidiena ny himilàna ny vahan'ny hajo, dia amijany fomba jany no hamiregnana ny fanjakanao hôminao amin'ny fotôgna hahalalanao fa manjaka ny lagnitra. 27Noho jane, a mpanjaka, aleo ny torohevitra ho ajo ekena aminao. Abilay ny fanotàna ka manôva jay marina. Mivilia amin'ny helokao amin'ny fanorôna famindram-po amin'ny nampahorena, ary jany dia ba ho afaka hihitatra ny fahombiajanao."28Nitranga tamin'ny mpanjaka Nebokadnezara io raha abiaby io. 29Roa ambin'ny folo volagna tatoy afara dia nandeha tamin'ny tafon'ny lapan'ny mpanjaka ta-Babylona ijy, 30sady hoy ijy hoe: "Tsy toy ve i Babylona angejabe, jay naoriko hôn'ny toeram-ponegnam-panjakako, hômin'ny voninahitry ny halehibiajako?"31Laha bola tam-bavan'ny mpanjaka ny jaka, dia nisy foe hatan-dagnitra hoe: "Ô Nebokadnezara mpanjaka, nambara taminao fefa nalaina taminao jao fanjakana jao. 32Hiroahina tsy ho eo amin'ny vahôka anao, die ny toeram-ponegnanao dia hiaraka amin'ny bibidia amin'ny saha egne. Hampihinagna ahitra hôtra ny aomby anao. Fito taogna no handalo mandra-pievenao hieky fa ny Ambony Indrindra no manaâka eran'ny fanjakan'ny olo sady Ijy no magnome an-dreo hôn'ny olo iriene."33Jany didy nanohitra an'i Nebokadnezara jany dia nitanterahina tsy nisy hatak'andro. Niroahina tsy ho eo amin'ny vahôka ijy. Nihinagna ahitra hôtran'ny aomby ijy, ary legna ny andon'ny lagnitra ny vatagne. Nihalava hôtran'ny volon'ny iaban'ny tsipara ny volone, ary avy hôtranen'ny vorogna ny vanjakohone.34Tamin'ny fefaran'ny andro, aho, Nebokadnezara, nanandratra ny masoko amin'ny lagnitra agne, sady naùpody taminahy indraika n'edalako. "Midera ny Ambony Indrindra aho, sady magnome voninahitra an'Iray jay monigna mandrakijay aho. Fa tsy manam-pahataperana ny fanapahane, sadsy maharitra hatamin'ny taranaka fara-mandimby ny fanjakane.35Tsinotsino taminajy ny mponin'gny tany abia by; magnano jay rehetra mety amin'ny sitrapoiny amin'ny tafiky ny lagnitra sy ny mponin'gny tany Ijy. Tsisy afaka hampiegnina Anajy na hifaninana aminaje. Tsisy afaka ny hijaka Anajy hoe: 'Nahôna no nanao anijao Anao?'"36Tamin'io fotôgna nipodianan'ny adalako taminahy io hiany, dia nampody taminahy ny voninahitro sy ny fahalehibiajako hôn'ny voninahitry ny fanjakako. Nahita sady sitrako ny mpanolotsaiko sy ny lelahiko mendri-kaja. Nandao nipody tamin'ny seja fiendrianako indraika aho, sady ambonin'ijany dia name fahalehibiajana angeja aho. 37Aho, Nebokadnezara, dia midera, ,anandratra, sady magnome voninahitra ny mpanjakan'ny lagnitra amijao, fa marina ny asane, sady mahitsy ny lalagne. Afaka mampidigna hônijay mandeha amin'ny fevognany Ijy.
Chapter 5

1Nagnano fanasana angeja be hôn'ny tandapa arivo lahy i Belsazara mpanjaka, ary ninogna divay talohan'ny olo arivo lahy ijy. 2Laha nagnandragna ny divay i Belsazara, dia nagnome beko ba hitondrana ny tavoangy vita amina volamena na volafotsy jay nalain'i Nebokadnezara iabany tan-tempoly ta-Jerosalema tao, jay tamijany ijy, ny tandapane, die ny vadiny miaraka amin'ny vaditsindragnony ninogna.3Nangala ny tavoangy volamena jay efa navôka hatan-tempoly, tragnon'Andrtemanitra, ta-Jerosalema ny mpanompo. Ary tamin'io no ninoman'ny mpanjaka, ny tandapane, ary ny vadiny sy vaditsindrognane. 4Ninogna divay areo sady nidera ny sampin-dreo jay vita tamin'ny volamena sy volafotsy, varahigna, vy, hajo, ary vato.5Tamin'ijany fotôgna jany dia nisy ratsan-tagnanolo niseho talohan'ny fipitrahan-jiro sady nanoratra tamin'ny rindrigna vôlalotra tan-dapan'ny mpanjaka. Nahita ny ampahan'ny tagnana ny mpanjaka laha nanoratra anijane. 6Dia niova ny endrika ny mpanjaka sady nampatahotra anajy ny eritrerine; tsy nahajaka anajy ny hongone, sady niady ny lahaligne.7Nangaika mahare ny kômandiny ny mpanjaka ba hampiditra hônijay nilaja fa mivoria amin'ny maty, olo marangi-saigna, ny mpangnandro. Nijaka tamin'ny fantatra tamin'ny fahendreny ta-Babylona ny mpanjaka hoe: "Na ija na ija magnajava an'io soratra io miaraka amin'ny dikany dia hampitafena volomparasy sady hanagnarojo volammena am-bojogny eo. Hanagna ny fahefan'ny mpanapaka fahatelo ambony indrindra amin'ny fanjakana ao ijy."8Ary dia niditra ny lelahin'ny mpanjaka jay fantatra noho ny fahendrene, kanefa tsy nahavita namaky ny soratra na nagnajava ny dikany tamin'ny mpanjaka areo. 9Taitra mahare i Belsazara mpanjaka sady niova ny endriky ny tavane. Very hevitra ny tandapane.10Ary die niditra tamin'ny tragno fanasana tao ny mpanjaka sy ny tandapane. Dia hoy ny mpanjaka vavy hoe: "Ho ela velogna anie ny mpanjaka! Aja avelka hagnakorontagna anao ny eritreritrao. Aja avela hiova ny endriky ny tavanao.11Misy lelahy jay managnq ny fagnahin'andremanitra masigna eto amin'ny fanjakanao. Tamin'ny andron'ny iabanao, dia tamin'ny fahajavana, fahajavan-saigna sy fahendrena hôtran'ny fahendren'ijay andremanitra. Nebokadnezara mpanjaka, mpanjaka iabanao, nanao anajy ho lehiben'ny ombiasa, ary lehiben'ny mivoria amin'ny maty, sy anijay olo marangin-saigna, die ny mpanandro. 12Fagnahy tsara dia tsara, fahalalana, fahajavan-saigna, fandikana nofe, fagnajava jaka sarotra sady famahana olagna io hatsarana io dia hita tao amijany lelahy Daniela jane, jay nangihan'ny mpanjaka hoe Beltesazara. Ka amijao mampangiha an'i Daniela dia hilajainy amiano ny dikan'ijay vôsoratra.''13Ary dia nandao talohan'ny mpanjaka i Daniela. Hoy ny mpanjaka taminajy hoe: "Anao jany Daniela jane, raika amin'ny vahôka sesi-tanin'i Joda, jay nandan'ny iabako nenga tao Joda. 14Efa regniko ny momba anao, fa aminao ao ny fagnahin'ny andremanitra, ary ny hajavana sy fahajavan-saigna ary fahendrena tsara be dia hita aminao ao.15Efa nampidirina talohako teo ba hamaky an'io soratra io sy hampahafantatra anahy ny dikany ny lelahy fantatra amin'ny fahendrena sy jay mivoria amin'ny maty, kanefa tsy nahavita nampahafantatra ny dikaniany areo. 16Efa naharegny aho fa afaka magnome fandikana sy mamaha olagna anao. Ka laha hainao mamaky ny soratra sady milaja aminahy ny dikane, dia hampitafena volomparasy anao ary hasiena rojo volamena ambojognao eo, ary hahajo ny fahefana mpanapaka fahatelo ambony indrindra amin'ny fanjakanao eto anao."17Dia namaly talohan'ny mpanjaka i Daniela hoe: "Aleo anao mandy ny fagnomejanao, ary omeo olon-kafa ny valisoanao. Na dia ijany aja, dia hivakiko aminao ny soratra, a mpanjaka, ary hilajaiko aminao ny hevine. 18Neminao, a mpanjaka, n'Endremanitra Ambony Indrindra magnome an'i Nebokadnezara iabanao ny fanjakana, ny fahalehibiajana, haja, sy voninahitra. 19Nohon'ny fahalehibiajana nomen'Andremanitra anajy, dia nangorohoro sady natahotra anajy ny vahôka abiaby, ny nfirenena, sy ny fijakana samihafa. Namono jay tieny hivonina ijy, ary namela ho velogna jay tiany ho vilomina. Nasandrany jay tiene, ary nampidigniny jay nirieny haidigna.20Fa laha niavognavogna ny fony sady nihanahery ny fagnahiny ba hanôvany raha sahisahy, dia nalaina tamin'ny seja fiendrianana maha mpanjaka anajy teo ijy, ary nalain-dreo ny voninahine. 21Niroahina tamin'ny olombelogna ijy, nanagna saim-biby ijy, ary niara-niaigna tamin'ny borikidia ijy. Nihinagna ahitra hôtran'ny aomby ijy. Legna ny andon'ny lagnitra ny vatagny mandra-pahafantatarany fa Andremanitra Ambony Indrindra no manapaka amin'ny fanjakan'ny vahôka eo sady manendry jay tieny hapetraka eo amin'ijany Ijy.22Anao janagny lahy, a Belsazara, dia tsy nanetry ny fonao, na dia nahafantatra anijany abiaby jany aja anao. 23Efa nanandra-tegna hanohitra an'i Tompon'ny lagnitra anao. Hatan-dragnony no nitondranao ny tavoangy jay ninimanao, ny tandapanao, ny vady sy ny vaditsindrognao, ny nanompo ny sampy vita tamin'ny volafotsy sy volamena, varahigna, vy, hajo, ary vato__sampy jay tsy mahita, maharegne, na mahalala na ino na ino anao. Tsy jay mitagna voninahitra an'Andremanitra jay mitagna ny fofon'aigna am-pelatagnany sady mahalala ny lalanao abiaby eo anao. 24Sady Andremanitra nandefa tagnana hatamin'ny fagnatrehany ka vita jao soratra jao.25Ny jaka vôsoratra dia jao: 'Mene, Mene, Tekela, ary Ôparesina.' 26Jao no hevine: 'Mene,' 'Vôisan'Andremanitra ny nanjakanao sady nitondra anijany hômin'ny fefarana ijy.' 27'Tekela,' 'Lanjaina amin'ny mijagna eo anao sady hita fa latsa-danja.' 28'Peresa,' 'Jaraina sy amé hôn'ny Medianina sy ny Persianina ny fanjakanao.'"29Dia nagnome beko i Belsazara, sady nampekanjo volomparasy an'i Daniela areo. Natao tam-bojogne ny rojo volamena, sady nagnano fanambarana momba anajy ny hajahôny ny fahefana mpanapaka fahatelo ambony iondrindra tamin'ny fanjakana teo ny mpanjaka. 30Tamin'ny aligna igny, dia maty i Belsazara, mpanjakan'ny Babyloniana, 31ary i Dariosy jay Mediana no nandray ny fanjakana laha teo amin'ny roa amby enimpolo taogna teo ho eo ijy.
Chapter 6

1Nahafaly an'i Dariosa ny nanendry governora 120 isam-paritany nanerana ny fanjakana jay hanapaka manerana ny fanjakana abiaby. 2Nisy kômandy angeja be telo tamin-dreo, ary raika tamin-dreo i Daniela. Ny kômandy angeja be io dia vôtondro ba hagnara-maso ny governora isam-paritra, ba tsy ho maty antoka ny mpanjaka. 3Niavaka ambonin'ny kômandy a,geja hafa sady ny governora isam-paritra i Daniela satria nanagna fagnahy miavaka ijy. Nagnano drafitra ny hamilana anajy manerana ny fanjakana abiaby ny mpanjaka.4Aviteo ny mpitan-draharaha angeja be hafa sy ny governora isam-paritany nandremby hadisôna tamin'ny asa natan'i Davida hôn'ny fanjakana, nefa tsy nahita kolikoly na tsy fahombiajana tamin'ny asany areo satria natoky ijy. Tsy nisy fahadisôna na tsirambigna hita taminaje. 5Dia hoy ny lelahy io hoe: "Tsy mahita antony tokony hitaraignany toy Daniela toy ahay laha tsy hoe mahita raha manohitra anajy araka ny lalàn'ny Andremaniny ahay."6Dia nitondra tetika talohan'ny mpanjaka ny mpitan-draharaha sy governora. Hoy areo taminajy hoe: "Ô Dariosa mpanjaka, ho velogna mandrakijay anie anao! 7Ny mpitan-draharaha lehibe abiaby tamin'ny fanjakana tao, ny governora isam-paritane, sy ny governora isam-paritane, ny mpanolotsaigna, ary ny governora dia niara-nifampidinika sady nanapa-kevitra fa anao, mpanjaka, dia tokony hamôka didy sady hagnamafy anijane, ka na ija na ija manao famoren-sonia amin'ny andremanitra abiaby na olombelogna mandritra telopolo andro, ankôtra anao, ô mpanjaka, dia tsy mentsy hatsipy an-davaka ao ny liogna jany olo jane.8Ankehitrany, ô mpanjaka, mamoaha didy sady soniavy ny taratasy ba tsy hagnovana anijane, araka ny vôtondran'ny lalàn'ny Mediana sy Persiana, ka tsy afaka fehijay jane." 9Ka dia nisoniavin'i Dariosa mpanjaka ny taratasy namadihana ny didy ho lalàna.10Laha fantatr'i Daniela fa vôsonia ho lalàna ny taratasy, dia nandeha tan-dragnony ijy (sady nivoha ny varangarankeliny tany amin'ny efitra ambony nifanandrify tamin'i Jerosalema), ary nandohalika ijy, hôtran'ny fatany in-telo agnatin'indraika andro, sady nivavaka sy nisaotra talohan'Andremaniny ijy, hôtran'ny efa natany ta-loha. 11Aviteo io lelahy jay niara-nagnano teti-dratsy ny nahita an'i Daniela nambôtra fangatahana sy nandremby fagnampiena hataminn'Andremanitra.12Aviteo areo nagnantogna ny mpanjaka sady nivoria tamin'ny momban'ny didiny hoe: ''Moa ve tsy nanao didy ve anao fa jay abiaby magnano sonia amin'ny andremanitra abiaby na olombelogna mandritra ny telopolo andro magnarake, ankôtranao, a mpanjaka, dia tsy mentsy atsipy an-davaky ny liogna?'' Namaly ny mpanjaka hoe: ''Vôpetraka ny raharaha, araky ny vôtondron'ny lalàn'ny Mediana sy Persiana; tsy afaka foagnana jane."13Dia namaly ny mpanjaka areo hoe: "Jany Daniela jane, jay raika amin'ny olo hatan-sesi-tany ta-Joda, dia tsy miraharaha anao, a mpanjaka, na ny didy jay nisoniavinao. Mivavaka amin'ny Andremaniny in-telo ijy ao agnatin'ny raika andro." 14Laha naharegny anijay ny mpanjaka, dia nalahelo mafy ijy, sady nandefa fisaignana ny hagnavotra an'i Daniela amin'ny fanapahane. Niasa mandrapodien'ny masoandro ijy ba hiejaka hagnavotra an'i Daniela.15Aviteo io lelahy jay nanao teti-dratsy ny nivory niaraka tamin'ny mpanjaka sady nanao taminajy hoe: "Fantaro, a mpanjaka, fa lalàn'ny Mediana sy Persiana, jane, sady tsy afaka ovana ny lalàna na didy jay natan'ny mpanjaka."16Dia nagnome beko ny mpanjaka, ary nandan-dreo niditra Daniela, ka natsipin-dreo tan-davaky ny liogna ijy. Hoy ny mpanjaka tamin'i Daniela hoe: "Hagnavotra anao anie, ny Andremanitrao, jay tompoinao mandrakariva."17Nisy vato nandao tamin'ny fidirana agny amin'ny hady, ary nignisy tombo-kasr jany tamin'ny perany ny mpanjaka sy tamin'ny ampety fanombohan-kasen'ny manan-kajany ba tsy hisy hiova ny mahakasika an'i Daniela ijy. 18Aviteo nandeha tamin'ny lapan'ny mpanjaka sady nandia ny aligna nifady hanina. Tsy nisy felamboly nandao talohany teo, sady lasa ny torimasine.19Aviteo vô mangiran-dratsy dia nnitsangagna ny mpanjaka sady nandeha nalaky tan-davaky ny liogna. 20Laha narivo ,y hady ijy, dia nangaika an'i Daniela tamin'ny feo malahelo, nanao tamin'i Daniela hoe: "Ô Daniela, mpanompon'Andremanitra velogna, sa tsy afaka nagnavotra anao tamin'ny liogna n'Andremanitrao, jay tompoinao mandrakariva?"21Dia hoy Daniela tamin'ny mpanjaka hoe: 22"Ô mpanjaka, ho velogna mandrakijay anie anao! Efa nandefa n,y mpitondra hafany Andremanitra sady nagnakatogna ny vavan'ny liogna, sady tsy namôratra anahy areo. Fa tsisy tsigny talohany hiany koa, ô mpanjaka, sady tsy nagnano ratsy anao aho."23Aviteo dia faly tanteraka ny mpanjaka. Nagnome beko ny hampekarin-dreo an'i Daniela hatan-davaka ijy. Noho jany dia nampekareina hatan-davaka Daniela. Tsy nisy hita taminaje, satria natoky ny Andremaniny ijy.24Nagnome beko ny mpanjaka, ary nandany ny lelahy jay nempanga an'i Daniela areo sady natsipin-dreo tan-davaky ny liogna__ areo sy ny jana-dreo, die ny vadin-dreo. Melohan'ny neven-dreo tamin'ny tany, dia nandresy an-dreo ny liuogna sady namotika ny tôlagna abiabin-dreo. 25Aviteo Dariosa mpanjaka nanoratra tamin'ny olo abiaby, ny firenena, die ny fijakana jay misy eto an-tany abiaby hoe: "Hampitomboina aminao anie ny fedanana.26Jao aho dia manao didy fa amin'ny fanapahana abiaby amin'ny fanjakako dia mangorohoro sady matahotra eo agnatrehan'Andremanitr'i Daniela ny olo, satria Ijy no Andremanitra velogna sy miaigna mandrakijay, ary ny fanjakany dia tokony ho hatamin'ny farane. 27 Miaro atsena sy magnavotra atsena Ijy, ary manao famantarana sy fahagagana an-dagnitra sy eto an-tany Ijy; niaro an'i Daniela ho avotra tamin'ny herin'ny liogna Ijy."28Noho jany dia nambinina nandritra ny fitondran'i Dariosa sy nandritra ny fitondran'i Kyrosy ny Persiana i Daniela.
Chapter 7

1Tamin'ny vôlohan-taognan'i Belsazara mpanjakan'i Babylonia, dia nagnonofy sady nahajo fahitana tan-saigny i Daniela laha natory tamin'ny fandrieny ijy. Aviteo dia nanoratra ny tranga manan-danja indrindra ijy: 2Nagnajava i Daniela hoe: "Ta-gnatin'ny fahitako tamin'ny aligna dia nahita ny rivotra efatry ny lagnitra aho ka nampihetsika ny ranomasim-be. 3Biby angejabe efatra, samihafa karajagny aby, no niakatra tamin'ny ranomasina.4Ny vôlohany dia hôtran'ny liogna fa managna elatra tsipara. Laha nijery aho, rota ny elany sady miala amin'ny tongotra roa, hôtran'ny olo. Name anijany ny fisaignan'ny olo. 5Aviteo dia nisy biby faharoa, hôtran'ny bera, sady niondrika jane; nanagna tôlan-tehejagna telo agnelagnelan'ny nifiny eo sy vavanu jane. Nijakaina jany hoe: 'Mifohaja sady mandrapaha olo rahabe.'6Tafaran'ijany dia nijery koa aho. Nisy biby raika hafa, raika jay miendrika hôtran'ny leoparda. Tan-damosin'ijany dia nisy elatra efatra hôtran'ny elatry ny vorona, sady nanagna loha efatra jane. Name fahefana hanapaka jane. 7Tafaran'ijay dia nahita biby fahefatra tagnatin'ny nofiko tamin'ny aligna aho, nampihorohoro, nampatahotra, sady tena natanjaka. Nanagna nify vy angejabe ijy; nandrapaka anijane, namotipotika, sady nagnitsakitsaka jay nivela amin'ny hongotra. Jany dia tsy nitovy amin'ny biby hafa, sady nanagna tandroka folo ijy.8Laha nandinika ny tandroka aho, dia nijery sady nahita tandroka hafa maniry amijany eo, Tandroka kely raika. Ny telo amin'ny tandroka vôlohany dia nivôka tamin'ny vahane. Nahita maso hôtran'ny mason'olo tagnatin'io tandroka io aho ary vava jay nirehareha momba ny raha angejabe.9Laha nijnery aho, dia nitoboka tamin'ny toeran'ny seja fiendriagnana, ary ny Andro Fahagola no nangala fitoerane. Fotsy hôtran'ny oram-panala ny ankanjone, ary ny volon-dohany dia hôtran'ny volon'ondry tsy miharo. Lelan'afo noç seja fiandriagnane, ary ny kodiarany dia afo mirehitre.10Nandeha nivôka hata-lohany teo ny loharanon'afo; an-tapitrisany no nanompo anaje, ary jato tapitrisa no nitsangagna agnatrehany eo. Nivory ny fitsarana, sady nisokatra ny boky.11Bola nijery fehijay aho nohon'ny fireharehan'ny jaka nijakain'ny tandroke. Nijaha aho laha bola nivonina igny ny biby, sady nisimbaina ny vatagne, ka natolotra ba ho rôna jane. 12Ary jay sisa tamin'ny biby efatra, dia nalaina ny fahefan-dreo hanapaka, kanefa nilavaina ny fehim-potôgna hianan-dreo.13Tagnatin'ny fahitako tamin'io aligna io, dia hahita olo raika avy niaraka tamin'ny rahon'ny lagnitra hôtran'ny janak'olo aho; avy teo amin'ny Andro Fahagola ijy sady natoro talohany teo. 14Name anajy ny fahefana hanapaka sy voninahitra ary hery fiandriagnana ba hanompo an-dreo olo abiaby, ny firenena, ary ny fijakana isan-karajagne. Ny fahefany hanapaka dia fahefana mandrakijay jay tsy ho levogna, ary ny fanjakany dia jay tsy ho rava mandrakijay.15Laha ny aminahe, Daniela, dia malahelo agnatiko ato ny fagnahiko, ary ny fahitana jay hitako tan-saiko tao dia mampangorohoro anahe. 16Nagnantogna ny raika tamin'ny nitsangagna tagny aho sady nangataka taminajy ba hagnatoreône anahy ny dikan'io raha io.17Io biby lelahy io, efatra laha isaina, dia mpanjaka efatra jay hiakatra hatamin'ny tane. 18Fa ny olomasin'ny Ambony Indrindra dia handray fanjakana, ary hanagna anijany ho fanagnana mandrakijay doria areo.'19Ary te hahafantatra be momban'ny biby fahefatra aho__tena hafa tokôtra amin'ny hafa jany sady tena mampihori-koditra tokôtra amin'ny nifiny vy sy ny vanjakoho varahigna; mandrapaka anijane, mamotipotike, ary magnitsakitsaka amin'ny hongony jay nivela. 20Te-hahafantatra momba ny tandroka folo an-dohany eo aho, ary momba ny tandroka hafa jay nitombo, sady nisy tandroka telo potraka talohany teo. Te-hahafantatra momba ny tandroka jay managna maso ary momba ny vava jay mirehareha momba ny raha lehibe aho sady hôtran'ny lehibe mihôtra noho ny akamany jane.21Laha nijery aho, io tandroka io dia mikarama an'gnady manohitra ny olomasina sady ,aharesy an-dreo 22mandra-pieven'ny Andro Fahagola, ary ny fahamarinana dia name ny olomasin'ny Ambony Indrindra. Aviteo dia avy ny fotôgna laha nandray ny fanjakana ny olomasina.23Jao no lajain'ny olo: 'Laha nemin'ny biby fahefatra, ho fanjakana fahefatra amin'ny tany jay ho hafa amin'ny fanjakana hafa abiaby jane. Handrapaka ny tany ray manontolo jane, handia sy handrava anajy ho potipotigne. 24Laha nemin'ny tandroka folo, mpanjaka folo no hiakatra hatamin'io fanjakana io, ary raika hafa no hiakatra afaran-dreo. Ho hafa amin'ny taloha teo jane, sady handresy ny mpanjaka telo ijy.25Hilaja jaka manohitra an'ny Ambony Indrindra ijy ary hampahory ny olomasin'Andremanitra Ambony Indrindra. Hiejaka hagnova ny fankalajana sy ny lalàna ijy. Io raha io dia home an-tagnany eo mandritra ny herin-taogna, roa taogna, die tapa-taogna. 26Fa hivory ny fitsarana, ka hangala ny herin'ny fiendrianana ba ho simba sady ho rava amin'ny farany agny areo.27Ny fanjakana sy fanapahana, ary ny halehibiajan'ny fanjakana ambanin'ny lagnitra manontolo eo, dia home ny olo jay an'ny olomasin'ny Ambony Indrindra. Ny fanjakany dia fanjakana maharitra mandrakijay, ary ny fanjakana hafa abiaby dia hanompo sady hankato anaje.' 28Itoy no faran'ny tranga. La neminahe, Daniela, nanaitra anahy tanteraka ny eritreritro sady niova endrika ny tavako. Fa nitanako hônahy irery io raha io."
Chapter 8

1Tamin'ny taogna fahatelo nnanjakan'i Belsazara Mpanjaka, aho, Daniela, dia nisy fahitana nitranga taminahe (Tafaran'ny raika jay nitranga taminahy tamin'ny vôlohane). 2Hitako tamin'ny fahitana, laha nijery aho, dia tagnatin'ny ferovana maherin'ny Sosana tagny amin'ny faritanin'i Elamma aho. Hitako tamin'ny fahitana tao fa nagnatitra ny Lakandranon'ny Olay aho.3Nijery ambony aho sady nahita ondrilahy niaraka taminb'ny tandroka rolahiteo talohako teo aho, nitsangagna narivo ny lakan-drano. Ny tandroka raika dia lava noho ny ilane, fa ny lavalava raika nitombo tsimoramora noho ny fohike sady nihôtra ny halavanijane. 4Nahita ny ondrilahy nirifatra niakandrefana, aviteo niagnavaratra, sady aviteo niegnantsimo aho; tsisy biby hafa afaka nitsangagna talohane. Tsy nisy tamin-dreo afaka namonjy jay hiala tan-tanagny tao. Nanao jay tia,y abiaby ijy, sady tena lasa angeja be.5Laha nisain-tsaigna momba jany aho, dia nahita osy lahy avy an-drefana, jay nandeha nanerana ny velaran-tany manontolo, nihajakajaka mahare, hôtran'ny tsy mitehi-tane. Nanan-tandroka lava tagnelagnelan'ny masony ny osy. 6Nandeha eo amin'ny ondrilahy jay nanagna tandroka rolahiteo ijy__nahita ny ondrilahy nitsangagna tamin'ny sisin'ny lakan-drano aho__ary ny osy nihajakajaka ho amin'ny ondrilahy tamim-pahavignirana mahery vaike.7Nahita ny osy narivo ny ondrilahy aho. Vignitra mafy tamin'ny ondrilahy ijy, sady namely ny ondrilahy ka namotika ny tandrogny rolahiteo. Tsy ampy hery ny ondrilahy ba hijoro magnatrika anaje. Ny osy nagnongagna anajy tamin'ny tany ka nandidia anaje. Tsy nisy afaka namonjy ny ondrilahy tamin'ny herine. 8Niha-goavana ny osy aviteo. Fa laha niha-nahery ijy; dia vaky ny tandroka lava, ary tamin'ny toeran'igny dia nisy tandroka lava efatra hafa nitombo jay nanondro manandrify ny rivotra efatry ny lagnitra.9Nisy tandroka hafa naniry, kely tamin'ny vôlohany, fa lasa angejabe tokôtra tan-tsimo tagne, tan-tsignana, ary tanin'ny tanin'ny hatsarana. 10Lasa angeja be tokôtra jany hôtran'ny hilatsaka an'anady miaraka amin'ny tafiky ny lagnitra. Ny sasagny tamijany ta tafika jany sy ny sasagny tamin'ny kintagna dia nalavo tamin'ny tane, sady nandidia an-dreo jane.11Nagnano ny tegnany ho lehibe hôtran'ny mpifehy ny tafika ijy, sady nangala taminajy ny sorogna rôna tsy tapaka jane, ary ny fitoerana masiny dia vôloto. 12Noho ny fikomiena, dia hame ny tandroky ny osy ny fitaka, ary habela ny fagnatritra rôna. Harien'ny tandroka amin'ny tany ambany ny fahamarinana, sady hahomby amin'ijay atany jane.13Ary naharegny masina nijaka aho ary ny raika masina hafa namaly anajy: "Hafiriena no haharetan'io raha io, io fahitana momba ny fagnatitra rôna io, ny fahotana jay mitondra faharavana, ny fanjakajakana amin'ny fitoerana masina eo, ary ny tafiky ny lagnitra jay vôhitsakitsaka?" 14Hoy ijy taminahe: "Haharitra 2. 300 hariva sy maraigna jane. Afaran'ijany dia habely tsara ny fipitrahana masina."15Laha nahita ny fahitana, aho, Daniela, dia niejaka nahatakatra anijany aho, Ary nisy raika hôtran'ny miendrika ho olo nitsangagna talohako. 16Naharegny feon-delahy nangaika tagnelagnelan'ny sisin'ny Lakan-drano Olay aho. Hoy Ijy: "Ô Gabriela, ampio io lelahy io hahatakatra ny fahitana.'' 17Ka nagneky tamin'ijay nitsanganako ijy. Laha avy ijy, natahotra aho sady nagnondrika ny tegnako tamin'ny tane. Hoy ijy taminahe: "Mahatakara, ô janak'olo, fa ny fahitana dia hômin'ny fotôgna farane."18Laha nivoria taminahy ijy, dia lavo tagnaty torimaso laligna aho miaraka amin'ny tavako amin'ny tane. Ary nikasika anahy ijy sady nampitsangagna anahe. 19Hoy ijy: "Ito, hatoroko anao jay hitranga aty afara amin'ny fotôgnan'ny fahavignirana, satria ny fahitana dia mikasika ny fotôgna vôtondro hoamin'ny farane.20Fa ny rameva jay hitanao, ny nanagna tandroka roa__io no mpanjakan'i Media sy Persia. 21Ny ondry lahy dia ny mpanjakan'i Grisia. Ny trandroka lava tagnelagnelan'ny masony no jay mpanjaka vôlohany.22Laha ny amin'ny tandroka jay tapaka, amin'ny toerany teo jay nipoiran'ny efatra hafa__hisy fanjakana efatra hipoitra amin'ny firenene, fa tsy amin'ny heriny lehibe. 23Amin'ny fotôgna farany an'io fanjakana io, laha hahatratra ny fetrany ny mpamadika, dia hisy mpanjaka mase-tarehe, jay tena manan-tarehe, jay tena manan-saigna, hitsangagna.24Ho lehibe tokôtra ny herine__fa tsy tamin'ny heriny manokagna. Ho gaga amin'ijay ho ravainy ijy; hiasa ijy sady hahombe. Handrava vahôka mahery ijy, vahôka amin'ijay masina eo. 25Amin'ny alalan'ny hafetsifetseny no hanôvany fitaka mahomby ambanin'ny tagnane. Ho lasa lasa lehibe amin'ny eritreriny hiany ijy. Handrava olo rahabe tsy ampoijina ijy. Hitsangagna ijy na dia hanohitra ny Mpanjakan'ny mpanjaka aja, sady ho potika ijy, fa tsy ba amin'ny alalan'ny tagnan'olombelogna.26Ny fahitana momba ny hariva sy ny maraigna jay efa vôlaja dia marina. Fa asio tombokase ny fahitana, fa manondro andro rahabe amin'ny hoavy jane."27Ka aho, Daniela, dia vijaka sady dia natory nalemy nandritra ny andro maro. Sady nifoha aho, ka nandeha tamin'ny raharahan'ny mpanjaka. Fa narikoriko tamin'ny fahitana aho, ary tsy nisy raika ka nahatakatra anaijane.
Chapter 9

1Dariosy dia janaka lahin'i Ahasoerosy, taranaky ny Mediana. Ahasoerosy no efa natao mpanjaka tamin'ny faritrin'ny Babiloniana. 2Ary tamin'ny taogna vôlohany nanjakan'i nDariosy, aho Daniela, nianatra ny boky mirakatra ny jakan'i Yaveh, jaka jay efa avy tamin'i Jeremia mpaminany. Nandinika aho fa tokony nisy fitopolo taogna hatamin'ny nandôjana an'i Jerosalema.3Natodiko tamin'ny Tompo Andremanitro ny tavako, ba handremby Anajy amin'ny fivavahana sy fangatahana, amin'ny fifadien-kanina, fekanjôna lamba fisôgnana, ary fitobohana amin'ny lakevigna. 4Nivavaka tamin'i Yaveh Andremanitro aho, sady nanao fieken-keloka tamin'nyfahotan-tsena. Hoy aho hoe: "Tompo o__Anao no lehibe sady Andremanitra mahatalanjogna__Anao jay tokagna mitandrigna ny fagnekena sady matoky amin'ny fitiavana hônijay tia anao sy mitandrigna ny didinao.5Efa nanota ahay sady efa nanao ny tsy mete. Efa nanao fitondran-tegna ratsy sady nikomy ahay, nenga tamin'ny didy sy fitsipikao. 6Tsy niteno ny mpaminagny mpanomponao jay nijaka tamin'ny agnaranao tamin'ny mpanjakanay ahay, ny mpitarika anay, ny rajambenay, ary ny vahôkan'ny tany abiaby.7Anao, a Tompo, ny fahamlarinana. Kanefa, hônay niany, ny hegnatra amin'ny tavanay eo__hôn'ny vahôkan'ny Joda sy hônijay monigna a Jerosalema, ary hôn'ny Israely abiaby. Agnisanijany jay narivo sy jay alavitra indrindra amin'ny tany abiaby jay nandifasanao an-dreo. Jany dia noho ny fitaka angeja be jay natanay hanohitra Anao. 8Hônay, a Yaveh, amin'ny tavagnay eo ny hegnatra__hôn'ny mpanjakanay, hôn'ny lehibenay, ary hôn'ny rajambenay__satria efa nanota taminao ahay.9An'ny Tompo Andremanitray ny fangoraham-po sy ny famelan-keloka, fefa nikomy hanohitra Anajy ahay. 10Ahay dia tsy nankatò ny feon'i Yaveh Andremanitraytamin'ny fandihananay araka anijay lalàny jay nomeny anay tamin'ny alaln'ny mpaminagny mpanompone. 11Ny Israely abiaby dia efa nandika ny lalànao ka niala, nandà tsy hankatò ny feonao. Ny ojogna sy ny fieniagnana jay vôsoratra amin'ny lalàn'i Mosesy ao, ny mpanompon'Andremanitra, efa nampidignina taminay, satria efa nanota taminajy ahay.12YaveYaveh efa nagnamafy ny jaka jay nilajainy manohitra antsena sady manohitra ny fitsipika tamitsena teo. Fa tsy nisy raha vita ajo ampitahaina amin'ny natao tamin'i Jerosalema tamin'ny ambany lagnitra manontolo. 13Araka ny vôsoratra amin'ny lalàn'i Mosesy ao, no hieven'ijany loja abiaby jany amitsena, fa bola tsy nitalaho ny famindram-po hatamin'i Yaveh Andremanitray tamin'ny felàna tamin'ny helokay sy hahitanay ny fahamarinanao ahay. 14Ka noho jany dia natsarejin'i Yaveh ho vognona ny loja sady efa nandany taminay teo jane, satria Yaveh Andremanitray dia marina amin'ny asa abiaby jay atane, kanefa bola tsy nankatò ny feony mandy ahay.15Ka, anao a Tompo Andremanitray, nandanao nivôka hatagny amin'ny tany Egypta ny vahôkanao tamin'ny tagnana mahere, sady efa nanao agnarana fanta-daja hôn'ny tegnanao Anao, hôtranijao andro niany jao. Fa bola nanota hiany ahay; efa nanao ny raha ratsy. 16Ô Tompo, noho ny asa marinao, dia aleo ny hasorenanao sy havigniranao hiala amin'i Jerosalema tanànanao, ny tendrombohitrao masina. Fa noho ny fahotanay, sy noho ny helokin'ny rajambenay, dia manjary antom-pahafaham-baraka hônijay magnodiidgna anay i Jerosalema sy ny vahôkanao.17Amijao, a Andremanitray, mitenoa ny vavaky ny mpanomponao sy ny fitalahôny famindram-po; fa noho neminao, Tompo ô, dia ampamirapirato amin'ny fitoeranao masina jay rava ny tavanao. 18E Andremanitro , sokafy ny sofignao die mitenoa, sokafy ny masonao die mijireva. Efa simba rava ahay, jirevo ny tanàna jay nangihana avy amin'negnaranao. Tsy mitalaho hôn'ny fagfnampenao ahay noho ny fahamarinanay, fa noho ny famindram-ponao lehibe. Tompo ô, mitenoa! 19Tompo ô, mamelà heloka! Ô Tompo, mitenoa die mihitseha! Noho nEminao manokagna, aja ela, a Andremanitro, fa ny tanàna sy vahôkanao dia nangihana amin'ny agnaranao.''20Laha bola nijaka aho__nivavaka sady niaaky ny fahotako sy fahotan'Israely vahôkako, sady nagnatrory ny fangatahako tagnatrehan'i Yaveh Andremanitro hôn'ny tendrombohitro masin'Andremanitra__ 21lahaola nivavaka, ny lelahy Gabriela, jay hitako tamin'ny fahitana vôlohany, nagnembogna taminahy tamin'ny fagnembognana malaky teo, tamin'ny fotôgnan'ny fagnatitra hariva.22Name fahajavan-saigna anahy Ijy sady nanao hoe: ''E Daniela, avy hagnome halalignan-tsaigna sy fahajavan-saigna hônao aho jao. 23Laha manomboka nitalaho famindram-po anao, dia name ny beko sady avy aho hilaja aminao ny valine, fa anao dia tiena tokôtra. Noho jany dia tsarovy jao jaka jao sady takaro ny fagnambarana.24Fito amby folo amin'ny taogna no vôvidy hôn'ny vahôkanao sy tanànanao masina ba hampegnenana ny heloka sy hampegnenana ny fahotana, hananganana ny faharatsiena, sady hitondra ny fahamarinana mandrakijay, ba hagnatanterahana ny fahitana sy faminaniena, sady hagnamasinana ny fitoerana masina indrindra. 25Fantaro sady takaro fa hatamin'ny fivoahan'ny beko no hameregnana amin'ny lôniny sy hananganana indraika an'i Jerosalema hôn'ny feven'ijay vôhositra (Jay ho mpitarike), hisy fito impito sy roe amby enimpolo impito. Hamboarina amin'ny lalana die hady indraika i Jerosalema, na dia eo aja ny fotôm-pahorena.26Afaka roa amby enim-polo impito amin'ny taogna, jay vôhositra dia ho rava sady tsy hanagna na ino na ino. Ny tafiky ny mpanapaka jay ho avy dia handringagna ny tanàna sy fipitrahana masina. Ny fefarinijany dia ho avy miaraka amin'ny tondra-drano, sady hisy ady, eka fa na dia amin'ny farany agny aja. Efa vôdidy ny fandravana.27Hagnamafy ny fagnekena amin'ny rahabe agnatin'ny fito raika ijy. Amin'ny fisasahan'ny fito dia hampiegnina ny sorogna sy fagnatitra Ijy. Amin'ny elatry ny fahavetavetana no ho avy amin'ny olo jay hagnano fandravana. Ny fefarana tanteraka sy fahapotehana dia nijakaina fa hampidignina amijay mpandrava."
Chapter 10

1Tamin'ny taogna fahahatelo nanjakan'i Kyrosy mpanjakan'i Persia, dia nisy hafatra nambara tamin'i Daniela, jay nangihana hiany koa hoe Beltesazara. Marina jany hafatra jane. Jany dia momban'ny ady lehibe. Nahatakatra ny hafatr'i Daniela laha nahajo faharatsien-saigna hatamin'ny fahitana ijy.2Tamijany andro jany, aho Daniela, dia nisôgna nandritra ny telo herignandro. Tsy nihinagna hanim-py aho. 3Tsy nihinagna hena mihintsy aho, tsy ninogna divay mihintsy, sady tsy ba nagnosotra diloilo tamin'ny tegnako mandra-pahavitan'ny telo herignandro manontolo.4Tamin'ny andro fahefatra amby rôpolon'ny tamin'ny vôlohan'ny volagna, laha narivo ny ony lehibe aho (Jany hoe, Hedekela), 5nendrandra aho ka nahita lelahy nagnano lamban-drongony, miaraka amin'ny fehinkibo vita amin'ny volamena tsy mitampoka hata Ofaza magnodidigna ny valahagne. 6Ny vatagny dia hôtran'ny topaza, die ny tarehiny hôtran'ny hajavana. Ny masony hôtran'ny fanilo mirehitra, die ny sandriny sy hongony hôtran'ny varahigna manganohano. Feony hôtran'ny feon'olo rahabe.7Aho,Daniela, rerika no nahita fahitana, fa ny olo jay taminahy teo dia tsy nahita ny fahitana. Na ijany aja, avy tamin-dreo teo ny horohoro lehib e, ka die nilefa namony tegna areo. 8Ka aho rerika no sisa teo sady nahita jay fahitana lehibe. Tsisy hery nibela taminahy tao; nihasimba nivaloarika ny endriko namirapiratra teo igne, sady tsisy hery nibela taminahy tao. 9Dia naharegny ny jakany aho__ka laha naharegny an-dreo aho, latsaka tagnaty torimaso laligna aho sady tarehiko amnio tamitany teo.10Nisy tagnana nikasika anahe, sady nampangorohoro ny lohaliko sy tagnako. 11Nijaka taminahy ny anjely hoe: ''Daniela a, lelahy no hindrahindraina fatratra, fantaro ny jaka jay lajaiko aminao. Mijoroa mahitsy, satria nirahina hôty amianao aho." Laha avy nijaka anijany hafatra jany taminahy ijy, dia nijoro am-pangohorôhorôna aho.12Dia hoy ijy taminahe: "Aja matahotra, a Daniela. Nanomboka tamin'ny andro vôlohany nahafantaranao anijany tan-saignao tao ary nanetrenao tegna talohan'ny Andremanitrao teo, dia efa regny ny jakanao, ka die avy aho noho ny jakanao. 13Nendrendahy amin'ny fanjakan'i Persia nanohitra anahy ao, sady nandigny ny mpanjakan'ny Persia aho nandritran'ny iraika amby rôpolo andro. Fa i Mikaela, raika amin'ny andriena lehibe, no avy nitahy anahe.14Amijao avy aho hitahy anao hahatakatra jay hanjo ny vahôkanao amin'ny andro farane. Fa ny fahitana dia hôn'ny andro bola ho avy." 15Laha nilaja taminahy tamin'ny fampesana io jaka io ijy, natodiko tamin'ny tany ny tavako sady tsy afaka nijaka aho.16Nikasika ny molotro ny olo raika jay hôtran'ny janak'olo, sady nanokatra ny vavako aho ka nijaka taminajy nitsangagna talohako hoe: "Ô tompoko, nohon'ny fahitana dia agnaty fahorena ao aho; tsisy hery mivela aminahy ato. 17Mpanomponao aho. Aôna no hafahako mivoria amin'ny tompoko? Fa amijao tsy manan-kery aho, sady tsisy fofon'aigna mivela agnatiko ato."18Nikasika anahy indraika jay nangala endrik'olo sady nankahery anahe. 19Hoy ijy hoe: "Aja matahotra, a lelahy jay nahindrahindra fatratre. Fedanana anie hônao! Matanjaha !" Laha bola nivoria taminahy ijy, dia nahery aho. Hoy aho hoe: "Aleo ny tompoko no hijaka, fa nankahery anahy anao."20Dia hoy ijy hoe: "Fantatrao ve nahôna aho no avy aminao eto? Bola hipody hiady amin'ny andrendahin'i Persia aho. Laha mandeha, dia ho avy koa ny andrendahin'i Grisia. 21Nefa hilajaiko aminao jay vôsoratra amin'Ny Bokin'ny Marina ao. Tsisy olo mampiseho ny tanjaky ny tegnany aminahy ba hanohitra an-dreo, afa tsy Mikaely andrendahinareo.
Chapter 11

1Tamin'ny taogna vôlohany nanjakan'i Dariosy Mediana, dia aho mihintsy no avy hanohagna sady hiaro an'i Mikaela. 2Hilajaiko aminao ny marina jao. Hisy mpanjaka telo hitsangagna a Persia, ka ny fahefatra dia ho mpagnefoefo lavitra noho ny abiaby hafa. Laha nahajo hery tamin'ny heriny ijy, dia handrisika ny daholo be hanohitra ny fanjakan'i Gresy.3Hisy mpanjaka mahery hitsangagna jay hanapaka fanjakana lehibe tegnane, ka hanao jay araka jay irieny ijy. 4Laha tafatsangagna ijy, dia ho rava ny fanjakany ka hijara amin'ny rivotra efatry ny lagnitra, fa tsemin'ny taranagny manokagna, sady tsemin'ny fahefany bola nanapahane. Fa ny fanjakany dia ho fongotra hôn'ny hafa ankôtra ny taranagne.5Ny mpanjakan'Entsimo dia hanjary hatanjaka, nefa ny raika amin'ny mpifehiny dia hanjary hatanjaka lavitra hôtran'aje sady hanapaka ny fanjakany amin'ny heriny lehibe. 6Taogna vitsy afaran'ijay, laha mety ny fotôgna, dia hanao fihavanana areo. Ny janaka vavin'ny mpanjakan'Entsimo ho avy amin'ny mpanjakan'Evaratra hagnamafy ny fifagnekena. Fany tsy hahatagna ny herin'ny sandriny ijy, na hivela ijy, ndre die ny sandrine. Hafoy ijy__ijy miaraka amin'ijay nitondra anajy, die iabane, sy jay nanohagna anajy tamijany fotôgna jane.7Fa die hisy tagnana hatamin'ny vahany hitsangagna handimby toerane. Hanafika ny tafika ijy sady hiditra amin'ny ferovana mafin'ny mpanjakan'Evaratra. Hiady amin-dreo ijy, ka haharesy anaje. 8Handany a Egypta ny andremaniny miaraka amin'ny sary sikotra vitany tamin'ny vy sy ny lovia volafotsy die volamenba sarobidin-dreo. Hibela lavitra ny mpanjakin'Evaratra mandritra ny taogna rahabe ijy. 9Hagnanika ny fanjakan'ny mpanjakan'Entsimo ny mpanjakan'Evaratra, nefa henga hômin'ny taniny ijy.10Hivonina ka hamory tafika lehibe jay janagny lahy. Hihabe fehijay io ka hanafotra ny raha abiab y; handalo hatamin'ny lalagna abiaby hômin'ny ferovany mafy eo jane.11Hanjary haseka ny mpanjakan'Entsimo; handeha ka hiady amin'ny mpanjakan'Evaratra ijy. Hanangagna tafika goavana ny mpanjakan'Evaratra, nefa hatolotra an-tagnany eo ny tafika. 12Henga ny tafika, sady ny fon'ny mpanjakan'Entsimo hitsangagna, ka handavo an'gfnalignaligna ijy, nefa tsy ho mpandresy.13Hanangagna tafika hafa ny mpanjakan'Evaratra, goavana noho ny tamin'ny vôlohany. Taogna maro aty afara, dia hoo avy marina ny mpanjakan'Evaratra miaraka amin'ny tafika goavana vôvatsy fitôvana be.14Amijany fotôgna jany dia rahabe no hitsangagna hanohitra ny mpanjakn'Entsimo. Janaka mpisetrasetra rahabe amin'ny vahôkanao eo no hametraka ny tegnan-dreo hahatanteraka fahitana raika, nefa ho tafantohigna areo.15Hoavy ny mpanjakan'Evaratra, handraraka tany hanôvana tovon-tane, sady hagnagadra tanàna amin'ny ferovana maré. Tsy ho afa-mijoro ny tafiky n'Entsimo, na die ny miaramila mahery indrindra ajo. Tsy hisy hery ho tafajoro. 16Fa jay ho avy koja hagnano jay irieny hanoherana anaje; tsy hisy ho tafatsangagna amin'ny lalagny eo. Hitsangagna amin'ny tanin'ny fahatsarana ijy, sady hôntagnany eo ny fandringagnana.17Hagnomagna ny tavany ho avy miaraka amin'ny herin'ny fanjakany abiab y ny mpanjakan'Evaratra, sady hisy fifagnarahana jay hatany miaraka amin'ny mpanjakan'Entsimo hiaraka aminaje. Hagnome janaka vavy hatamin'ny viavy hampekarina ijy ba hamotehana ny fanjakan'Entsimo. Fa tsy hahomby na hitahy anajy nefa ny tetika. 18Afaranijany, dia ho liegna amin'ny sisin-tany ny mpanjakan'Evaratra sady hagnagadra ny maro amin-dreo. Nefa hisy mpifehy hanapitra ny avognavogny ka hahalasa ny fireharehany hivadika hôminajy agny hiany. 19Dia ho liegna amin'ny ferovana mafin'ny taniny hiany ijy, nefa ho tafantohigna ijy ka ho lavo; sady tsy ho hita.20Dia hisy olo hitsangagna handimby ny toerany jay hampandalo mpamory hetra raika noho nemin'ny famirapiratan'ny fanjakana. Fa amin'ny andro magnaraka eo dia ho torotoro ijy, fa tsemin'ny havignirana na amin'ny ady. 21Olo nitsoniatsoniavina jay tsy ba hamen'ny olo voninahitry ny fahefan'ny mpanjaka no handimby ny toerane; ho avy tampoka ijy ka hangala ny fanjakana an-kafitsena. 22Hisy tafika raika ho vôfaoka hôtra ny safo-drano alohany eo. Samy ho ringagna aby jany tafika sy mpitarika fagnekena jane.23Amin'ny fotôgna jay hanôvana fifagnarahagna miaraka aminaje, dia hamitapitaka ijy; vahôka vitsy an'gnisa fotsiny no hampatanjaka anaje. 24Ho avy amin'ny faritany manan-karena indrindra jay tsy hampitandrigna sady ijy, sady tsy hanao jay natan'ny iabany na iababeny ijy. Hagnaparitaka jay vôsambotra, jay babo, sy ny harena amin'ny mpagnaradia anajy ijy. Hitetika ny fagnongagnana ny ferovana mafy ijy, fa vetivety mandy.25Hamoha ny heriny sy fony ijy ka hanohitra ny mpanjakan'Entsimo amin'ny fitaka goavana. Hanangagna ady amin'ny tafika lehibe, tena mahery ny mpanjakan'Entsimo, nefa tsy hiangagna ijy satria hikonokonogna hanohitra anajy ny hafa. 26Na ijay mihinagna ny hanim-piny aja dia hitady hanimba anaje. Ho vôfaoka hôtran'ny safo-drano ny tafigne, sady rahabe amin-dreo no ho lmavo vôvono. 27Samy hipetraka amin'ny latabatra raika eo mandy io mpanjaka io, amin'ny fon-dreo mieritreritra hifagnano ratsy, hifampivandy amin-dreo ao, nefa tsy hisy dikany jane. Fa ho avy ny farany amin'ny fotôgna jay efa vôtondro.28Hiverigna amin'ny taniny miaraka amin'ny harem-be ny mpanjakan'Evaratra agne, miaraka amin'ny fony jay manohitra ny fagnekena masina. Hiasa ijy sady hody amin'ny taniny agny mandy aviteo.29in'ny fotôgna vôtondro dia hipody ijy ka hoavy hanohitra n'Entsimo indraike. Fa amitoy indray mandeha toy dia tsy ho hôtrany taloha teo. 30Fa ho avy hanohitra an-dreo sambon'i Kitima, sady hanjary hatahotra ka hihemotra ijy. Ho sorena amin'ny fagnekena masina ijy, sady hanoro sitraka amijay mahafoy ny fagnekena masina.31Hitsangagna ny heriny ka hanota-fady ny ferovana mafin'ny fitoerana masina. Halain-dreo ny fagnatitra rôna mahajatra, ka hapetra-dreo ny fahavetavetana jay mahalasa faharavana. 32Ny amijay ratsy fagnahy tamin'ny fifagnekena, dia hifitahiny io ka ho simba toetre. Nefa ny olo jay mahalala n'Endremani-dreo dia hahery sady hiasa.33Hônijay hendry amin'ny olo eo no hampahalalana ny maro. Fa ho lavon'ny mesa sy lelan'afo areo; ho lavo amin'ny fahababôna sy fandrobana mandritra ny andro maro areo. 34Amin'ny fahavalon-dreo, dia hivonjena amin'ny famonjena kely sady bitika areo. Hikambagna amin-dreo am-petsarambelatsihy ny rehetra. 35Ho lavo ny sasagny amin'ny hendry amijay die ho avy amin-dreo ny fandiovana, fanasana, sy famafana jay maloto, ambara-pahavin'ny fotôgna farane. Fa bola ho avy mandy ny fotôgna vôtondro.36Hanao araka jay irieny ny mpanjaka. Hanandra-tegna ijy ka hanao ny tegnany ho lehibe ambonin'ny andremanitra abiaby. Hilaja raha manohigna hanohitra ny Andremanitry ny andremanitra ijy, fa hahomby ambara-pahatirahan'ny fahavignirana ijy. Fa hatao jay efa nididiena. 37Tsy ba hiraharaha ny andremanitry ny rajagny ijy na jay andremanitra tsiriritin'ny viave. Sady tsy hiraharaha jay mety hôn'dremanitra abiaby ijy. Fa hagnano ny tegnany hômbonin'ny olon-drehetra ijy.38Hankajlaja ny andremanitry ny ferovana mafy ijy fatsy io. Andremanitra jay tsy neken'ny rajagny no hame haja amin'ny volamena sy volafptsy, amin'ny vato soa sy fagnomejana sarobidy jane. 39Hanafika ny ferovana mafy indrindra ijy amin'ny fagnampen'ny andremani-kafa. Jay rehetra magneky anajy, dia hameny voninahitra be. Hatany mpanapaka amin'ny olo rahabe eo, sady hijarainy ho valisoa ny tane.40Amin'ny fotôgnan'ny farany no hanafika ny mpanjakan'Entsimo. "Hamely anajy amin'ny Kalesa sy mpideba sôvale, ary sambo rahabe ny mpanjakan'Evaratra. Ho avy hanohitra an'ito tany ito ijy, hameno tanteraka an-dreo, sady hamakivaky anijay. 41Handeha amin'ny tanin'ny hatsarana agny ijy, ary Israely an'gnalignaligna no ho lavo. Fa ito no ho tafalefa amin'ny tagnane: Edoma, Moaba, sy ny sisa tamin'ny vahôkan'ny Amona.42Hagnitatra ny tagnany amin'ny tany ijy; sady tsy havotana ny tany Egypta. 43Hifehy ny rakitra volamena sy volafotsy ijy, sady ny haren'ny Egypta abiaby; hôkongony ny Lybiana sy ny Etiopianina.44Fa hampihorohoro anajy ny vôvao hatan-tsignanana sy avaratra, ka handeha hivôka amin'ny fahavignirana be ijy ba handrava tanteraka sady hanokagna ny maro ho ringagnina. 45Hanangagna ny lain'ny mpanjakany agnelagnelan'ny ranomasina sy tendrombohitry ny fahatsaran'ny fahamasignana eo ijy. Ho avy amin'ny fefarany eo ijy, sady tsy hisy hamonjy anajy.
Chapter 12

1"Amijany fotôgna jany i Mikaela, jay andrendahy lehibe miambigna ny vahôkanareo, dia hiarigna. Hisy fotôgnan'ny fahorena jay tsy bola nisy hatamin'ny nendohan'ny firenena hatamijany andro jane. Amijany fotôgna jany ny vahôkanao dia ho vôvonjy, dia jay rehetra hita fa vôsoratra aganarana amin'ny boky ao. 2Maro amijay matory amin'ny vovoky ny tany no hitsangagna, ny sasagny hômin'ny fiaignana mandrakijay sady ny sasagny hômin'ny fahamenarana sy fagnamavôna mandrakijay.3Hônijay hendry dia hamirapiratra hôtran'ny hajavan'ny lagnitra ambone; ary jay hamerigna ny maro amin'ny fahamarinana, dia hôtran'ny kintagna mandrakijay doria. 4Fa anao, a Daniela, ahorogny io jaka io: atsarejo ho vôisy tombokase ny boky mandra-peven'ny fotôgnan'ny farane. Maro no hihajakajaka etsy sy erôgna, sady hitombo ny fahalalana."5Ary aho, Daniela, nijery, ka nisy rolahiteo hafa nitsangagna. Ny raika nitsangagna tamoron'gny ony teo, die ny raika tetsy agnilany amoron'ny ony. 6Ny raika tamin-dreo nijaka tamin'ny lelahy mekanjo rongony fotsy, jay teo ambonin'ny ony hoe: "Mandra-pevena no hefaran'ito raha mahagaga ito?"7Regniko io lelahy mekanjo rongony fotsy, jay tambon'ny ony teo__nanagagna ny tagnany an-kavanana sy tagnany ankavia tamin'ny lagnitra ijy ka nieniegna tamin'iray jay velogna mandrakijay fa ho fotôgna raika, fotôgna rolahiteo, sesasam-potôgna jane. Laha nipotehina mandy ny herin'ny olo masina, dia ho tanteraka aby ny raha abiaby io.8Naharegny aho, fa tsy nahatakatra. Ka nagnotany aho hoe: "Ô tompoko, ino no ho vokatra amin'ito raha abiaby ito?" 9Hoy ijy: "Mandihana amin'ny lalagnao, a Daniela, fa ny jaka diefa vôhorogna sy vôisy tombokase mandra-peven'ny fotôgna farane.10Rahabe no ho diovina, ho vôsasa, sady ho vôfotsy, fa ny ratsy fagnahy hagnano faharatsena; tsy hisy amin'ny ratsy fagnahy hahatakatra, fa hônijay hendry no hahatakatra. 11Hatamin'ny fotôgnan'ny fampegnenana ny fagnatitra rôna mahajatra sy familana ny fahevetavetana jay mitondra ny fandravana tanteraka, dia hisy andro 1290.12Sambatra jay mandigny hatamin'ny fefaran'ny 1.335 andro. 13Tsy mentsy mandeha amin'ny lalagnao hatramin'ny faranen'enao, ka hegnina anao. Hitsangagna amin'ny toerana vôtondro hônao eo anao, amijay andro farane."

Jonah

Chapter 1

1Die avy tamin'i Jona janaka lahin'i Amitaha ny jakan'i Yaveh, manao hoe: 2"Mitsangana ka mandihana a Ninive, je tanàna tena angejabe, ka mivoriana je mombanijane, satria efa niakatre talohako teo ny faharatsen-dreo." 3Fa nitsangagna i Jona ba hilefa an'ny fagnatitr'i Yaveh ka nandeha ta-Tarsisy. Nidigna ta-Jopa ijy ka nahita sambo handeha a Tarsisy. Ka die naloane ny saran-dalagna ka niakatre tamin'ny sambo niaraka tamin-dreo hô-Tarsisy ijy, alavitry ny fagnatrehan'Andremanitre.4Fa nandifasan'i Yaveh rivo-mahere tamin'ny ranomasina ka die nanjary tagio-drivotre tamin'ny ranomasina tegne io. Vetivete teo die hita ho simba io sambo io. 5Sady nanjary natajotre mafé aby ny tatsambo ka nangaike maré n'endremanine manokagna. Natsipin-dreo tan-dranomasina ny entagna tamin'io sambo io ba hahnamevagnana anaje. Fa Jona koja nidigna laligna tamin'io sambo io, ka nentsilagny tra-tory tao.6Die nagnantogna anaje ny kapitenin-sambo nijaka taminaje hoe: "Nahôna anao matory? Mitsangàna! Anhiho n'endremanitrao! Mety ba hajita atsena n'endremanitrao ka tsy ho fate atsena." 7Nivoria ijy abiaby nanao hoe: "Magnantogna, andao atsena hanao ankitsapake, ba hahafahatsena mahalala hoe ija no anton'ijao loja mitranga amitsena ja" Ka natan-dreo n'enkitsapake, ka nitontogna tamin'ny Jona teo.8Die hoy areo tamin'i Jona hoe: "Ba jakay anay are hoe ija no anton'ijao loja mitranga amitsena jao. Ino ny asanao, sady hataja anao? Ino firenenao, sady hatamin'ny vahôke ino anao? 9Hoy Jona tamin-dreo hoe: "Hebreo aho; sady matajotre an'i Yaveh, je Andremanitry ny lagnitre, je nanao ny ranomasina sy ny tany maigna." 10Die vô maike natahotre io lelahy io ka nijaka tamin'i Jona hoe: "Fa ino toy natanao taoy?" Fa fantatri'io lelahy io fa nilefa ny fagnatrehan'i Yaveh, satria nijakaine tamin-dreo.11Are hoy areo tamin'i Jona hoe: "Ino no tokone htanay aminao ba hampilamigna an'ny ranomasina hônay?" Satria niha-nanonja maré ranomasina. 12Hoy i Jona tamin-dreo joe: "Reso aho ka atsipijo agnaty ranomasina agne. Die hilamigna hônareo io ranomasina io, satria fantatro fa noho iaho no mahatonga aninao tafio-drivotre jao hiseho aminareo." 13Na d'ijane aja, die namoy maré io lelahy io ba hampipody an-dreo an-tanety, nefa tsy afake nagnano anijane areo satria niha-nahere ny ranomasina nanohitre an-dreo.14Noho jane die nangaike marè an'i Yaveh areo ka nagnano hoe: "Mitalaho Amianao ahay, a Yaveh, mitalaho Aminao ahay, aja avela jo fate nohon'ny ain'gjitoy lelahy toy ahay, sady aja melohina aminay ny fahafatesane, satria Anao, Yaveh, diefa nanao je arakin'ny sitraky ny fonao." 15Ka die niresin-dreo i Jona ka natsipin-dreo tagnaty ranomasina, ka niegnina tsy nisafôke ho ranomasina. 16Aviteo die natahotre mafé an'i Yaveh eri ralelahy. Nanolotre sorogna hôn'i Yaveh areo ka nagnano voady.17Ary efa nahnomagna kalapia angeja be hiteligna an'i Jona i Yaveh, ka niegnina tagnatin'ny vabohnin'io kalapia io telo andro sy telo aligna tao i Jona.
Chapter 2

1Aviteo die nivavake tamin'i Yaveh Andremanine hatan-kibon'ny kalapia tao i Jona. 2Hoy ijy hoe: "Nangaike an'i Yaveh nohon'ny fahoreko aho ka namale anahe Ijy; hatan-kibon'ny Fiagnan-tsy hita no nilako vonjy! Die regninao feoko.3Efa natsipinao tamin'ny laligna aho, tamin'ny farany lalin'gny ranomasina, sady nagnodidigna anahe ny herin-dreke; nanafotre anahe aby ny onja sy olon-dranonao. 4Hoy aho hoe: 'vôrôke tsy ho eo alohan'ny masonao aho; kanefa die bola hitodike hagnatrike an'ny tempolinao masina.'5Nihidy nagnodidigna anahe ka hatamin'ny vojoko ny rano; are nagnodidigna anahe marina ny laligna; naningotre nagnodidigna an'ny lohako ny ahi-drano. 6Nidigna tampoto'ny tendrombohitre aho; die nihidy taminahe mandrakijay ny tane sy je hidine. Kanefa bola nampiakatre ny ainko hatan-davake anao, a Yaveh, Andremanitro!7Laha vijake taminahe tato ny fagnahiko, die nahatsiaro an'i Yaveh aho; diavy taminahe teo ny fivavahako, tamin'ny temopolinao masina. 8Hôni'je miteno an'andremanitre tsisy dikane die magnare ny fahatokisanao momban-dreo.9Fa laha ne'minahe koja, die hanao sorogna hônao amin'ny fanoloram-pisôrana aho; hitanterahiko jefa nivoadiko. 10Hatamin'i Yaveh ny faminjena!" Die nijaka tamin'ny laoman-drano i Yavehm ka naloane tamin'ny tane maigna teo i Jona.
Chapter 3

1Die avy tamin'i Jona fagnindroane koa jakan'i Yaveh nanao hoe: 2"Mitsangana, mandihana mandeha Ninive, je tanàna angeja be, ka torio aminaje ny hafatre je andidieko anao." 3Are die natsangagna Jona ka nandeha a Ninive tamin'ny fankatoavana ny jakan'i Yaveh. Die Ninive die tanàna angeja be tokôtre, raike amin'ny lalagna adigny telo.4Nanomboke niditre ny tanàna i Jona are tafaran'ny lalagna rat andro die nangaike mafé ijy ka nijaka hoe: "Hiravaina i Ninive agnatin'ny efapolo andro." 5Nino an'Andremanitre ny vahôke ta Ninive ka nangaike fifadien-kanina areo. Nanao lamba fisôgnana aby ijy abiaby, hatamin'ny farane je angeja indrindra ka hatamin'ny farane je kele amin-dreo.6Tsy ela die avy tamin'empanjakan'i Ninive io vôvao io. Die nitsangagna hatamin'ny seja fiendriagnana ijy, nangala n'ekanjo-boninahine, ka nandrakotre ny tegnane tamin'ny lamba fisôgnana, sady nitoboke tan-dakevogna. 7Nandefa fagnambarana ijy nilaja hoe: "Eto Ninive, amin'ny fahefan'ny mpanjaka sy ny olo-manan-kajane, aleo tsy hisy olo na biby, aombe na ondry sy osy, hanendre raha. Ôka tsy hihinagna areo, na hinon-drano.8Fa ôka ny biby sy ny olo hirakotre lamba fisôgnana sady ôka areo hitaraigna mafe amin'Endremanitre. Ôka ny tsirairay same hiala amin'ny lalan-dratsine s'emin'ny herisetre je an-tagnane eo. 9Ija no mahalala? Mete hanegnina hiany Aneremanitre ka hiova hevitre ka hiala amin'ny fahavignirane ka tsy ho ringagna atsena."10Hitan'Andremanitre je natan-dreom fa niala tamin'ny lalan-dratsine areo. Noho jane die niova hevitre Andremanitre n'emin'ny fanajena je nilajaine fa hatane amin-dreo, ka tsy natane anefa.
Chapter 4

1Fa tsy nahafale an'i Jona jane ka namjary vignitre mafe ijy. 2Noho jane die nivavake tamin'i Yaveh i Jona ka nanao hoe: " Ô Yaveh, tsy jao ve no efa nilajaiko taminao laha tafapody tamin'ny fireneko aho? Jay no antone hihitsehako vôlohane sady niejahako hilefa ta Tarsisy-- satria fantatro fa Andremanitre manan-karem-pahasoavana, mahari-po, malaigna jo vignitre, feno fahatokisana, sady manegnina amin'ny fandifasana loja Anao. 3Ka amijao are, a Yaveh, mitalaho aminao aho, alay aminahe ny ainko, fa tsara hônahe ny ho fate hôtra ny ho velogna."4Hoy i Yaveh hoe: "Mety ve jao havignirako diso tafahôtre jao?" 5Die nivôke ny tanàna i Jona ka die nitoboke tamin'ny ilane antsignanan'ny tanàna tegne. Tagne no nanôvane felokalofana ka nitoboke tambanin'io ijy ba hahitane je mety hanjoa ny tanàna.6Nagnomagna hajo Yaveh Andremanitre ka nampagniry anijane tambonin'i Jona hagnalokaloke lohane ba hagnamevagna je fahorene. Tena fale tokôtre i Jona nohon'emin'ny hajo. 7Nefa nagnomagna hankagna Andremanitre tamin'ny fiposahan'ny masoandro n-empitso maraigna. Namale hajo jane ka die maigna io hajo io.8Ard laha niposake ny masoandro n'empitso maraigna, die nagnomagna rivo-mahamay hatan-tsignanana Andremanitre. Sady, namele ny lohan'i Jona masoandro hiany ka nany here ijy. Die nagniry ny fahafatesane i Jona. Hiy ijy tamin'ny tegnane hoe." 9Are hoy Andremanitre tamin'i Jona: "Mety ve jao havigniranao angeja be n'emin'ny hajo jao?" Die haoy i Jona hoe: "Mety ny havignirako, na hômin'ny fahafatesana aja."10Hoy Yaveh hoe: "Nangorake an'io hajo io qnao, je tsy nesanao, na hampagnirienao. Nagniry tagnatin'ny aligna raike io ka mate tagnaty aligna raike. 11Hôtrani-jane koa n'Eminahe, tsy tokone hangorake an'i Ninive, je tanàna angeja be, je misy vahôke mihôtre ny jato sy roy aligna je tsy mahalala ny fahasamihafana amin'ny tanagna ankavanana s'enkavian-dreo, sy je biby fiompe rahabe mandy koa ve Aho?"

Micah

Chapter 1

1Ijao no jakain'i Yaveh je avy tamin' Mika Morastita tami'NY andron'i Jotama, Ahaza, sy Hezekia, n'empanjakan'ny Joda, nijaka he raha hitane nahakasika an'i Samaria sy Jerosalema.2Mitenoa, anareo a vahôke. Mitenoa, a tane, sy je rehetra aminao eo. Ôka ny Tompo Yaveh no ho vavolombelogna hanohitre anareo, ny Tompo hatamin'ny tempoly masigna. 3Io, Yaveh mivôke hatamin'ny fitoerane ambonin'ny tane. 4Je tendrombohitre hiempo ambanine eo; je lohasaha hitsonike hôtran'ny savoke alohan'ny afo, hôtran'ny rano je arotsake amin'ny haragna agne.5Jane abiaby jane die noho ny fikomen'i Jakoba, sady noho ny fahotan'i taranak'Israely. Ino no anton'ny fikomen'i Jakoba? Sa ve i Samaria? Ino no amton'ny fitoerana ambonin'i Joda? Sa tsy Jerosalema ve?6"Hanao an'i Samaria ho korotam-bato an-saha Aho, hôtran'ny toerana fambolem-bôloboke. Hanosike ani'je orim-batone hôn-dohasaha egne Aho; Ka hampiharihary je fanambine. 7Ho vôtorotoro ny sarin-draha vôsikone abiaby; sady ho may aby ny fagnomejane. Je sampe abiaby hipotehiko. Satria hatamin'ny fagnomejana hôn'ny fijangajangane no namorene anigne, sady tamin'ny saran'ny fivarotan-tegna no hipodianan'igne."8Noho jane antone jane die hitaraigna sady hidradradradra aho; handeha tsisy kapa aho a mpanjaka; hidradradradra aho sady hisaogna hôtran'ny hora. 9Fa tsy hahafake Koa ferine, satria hata-Joda jane. Efa nahatratre ny vavahadin'ny vahôkako jane, die a Jerosalema. 10Aja milaja ny momban'ijane a Gata; aja mitomagny mihintsy. A Beti-le-afra aho no magnosim-bovoke an'ny tegnako.11Mandalova amim-pijilena sy hegnatre, a mponin'gni Zanana. Ôka hisaogna i Beti-haezela, satria nalaina ny ferovan-dreo. 12Fa mandigny amim-pitaintaignana ny vôvao mahafale ny mponin'gni Marota, satria trotrake hatamin'i Yaveh hômin'ny vavahadin'i Jerosalema ny loja.13Fihejo amin'ny andien-sôvale farane je mandeha ny kalesa, a mponin'gni Lakisy. Anao a Lakisy, no fendoham-pahotana hôn'ny janaka vavin'i Ziona, satria hita taminao tagne ny fahotan'Israely. 14Ka die hamenao taratasy fisôgnana i Moresetagata; renivohitr'i Akziba handiso fagnantenana ny mpanjakan'Israely.15Hitondra mpandrese hôminareo agne indraike Aho, a mponin'gni Maresa; hoavy amin'ny Adolama agne ny famirapiratr'Israely. 16Harato ny lohanareo ka tapahy ny volon-dohanareo hôn'je janakareo je tienareo. Solao hôtran'ny tsipara ny tegnanareo, fa ny janakareo handeha hatao sesi-tane hiala taminareo tao.
Chapter 2

1Loja hôni'je mamoron-keloke, hôni'je mandrafitre an'ny hanao ratsy am-pandriene. Amin'ny maraigna no anôvan-dreo anijane satria managna fahefana reo. 2Magniry saha areo ka nitanane io; magniry tragno areo ka mangala anijane. Mampahory olo s'enkojonane areo, are ny olo sy je lovane.3noho jane die jao no lajain'i Yaveh joe: "Efa mitondra loja hamele anijane fenakavena jane Aho, je tsy hangalanareo tendanareo. Tsy handeha amim-pevognavognana anareo, satria die ho fotôgna ratsy jane. 4Amijane andro jane die hihira hira momba anareo ny fahavalonareo, ka hisaobna amin'ny hira fisôgnana. Areo hihira hoe: 'Rava tanterake ahay Israelit; Yaveh magnova ny faritanin'ny vahôkako. Aôna no hangalane anijane Aminahe? Mijara ny sahanay hôn'ny mpamadike ijy!'" 5Noho jane, anareo a mpanan-karena die tsy ba hanagna taranake hijara ny faritane amin'ny loka zmin'ny fengonan'i Yaveh.6"Aja maminagny, hoy areo. "Ôka areo tsy haminagny io raha io; ôka tsy hoavy ny fahafaham-barake." 7Ô taranak'i Jakoba, sa tokony jakaina tokôtre ve jao hoe: "Maseke ve ny Fahnahin'i Yaveh? Sa tena asane ve io?" Sa tsy mampahatsara ani'je mandeha mahitsy ve ny jakako? 8Afara kely agne die hitsangagna hôtran'ny fahavalo ny vahôkako. Mangala ny tohintegna, n'ekanjo, ami'je mandalo tsy amim-piahiahena anareo, hôtran'ny maramila mipody avy niady handeha ami'je heverine fa milamigna.9Alainareo amin'ny tragno mahafinaritre an-dreo ny viavin'ny vahôkako; sitoninareo amin'ny jana-dreo mandrakijay ny fahitako. 10Mitsangana ka melà, fa tsy toerana ahafahanareo mitoetra itoy, noho ny fahalotône; nipotehina tamin'ny fahapotehana tanterake itoy. 11Laha misy olo avy aminareo agne amin'ny fabnahin'ny vandine ka manao joe: "haminagny aminao momba ny divay sy java-pisotro mahere aho," die heverina ho mpaminabny hôn'io vahôke io ijy.12Hamore anareo abiaby tokôtre Aho, a Jakoba. Hamore je sisa amin'Israely tokôtre Aho. Hitondra an-dreo miaraka hôtran'ny ondry amin'endiene, hôtran'endien'ondry gnivon'ny fihinanan'ahitre Aho. Hisy feo ambone tratrin'ny fahaben'ny vahôke. 13Je olo mamaky die mamokatre ny lalan-dreo hôn-dreo ka handeha alohan-dreo eo. Handeha hamaky ny vavahadin-dreo ka hivôke; ny mpanjakan-dreo no handeha alohane. Yaveh no ho mpitarike an-dreo.
Chapter 3

1Hoy Aho: "Mitenoa amijao, anareo a mpitarik'i Jakoba sy mpanapake ny taranak'Israely: Sa ve tsy mety aminareo ny mahatakatre ny fahamarinana? 2Anareo je mankahala ny tsara sy tia je ratsy, anareo jemagnendake ny hodi-dreo, ny nofon-dreo amin'ny tólagne-- 3anareo je mihinagna ny nofon'ny oloko hiany koa, are magnendake ny hodine, manapake tôlagne, sady mamakivaky an-dreo, hôtran'ny hena atao am-bilagny, hôtran'ny hena atao amin'ny fandrahôn-kena.4Die hangaike maré an'i Yaveh anareo mpanapake, nefa tsy hamale anareo ijy. Hamony ny tavane aminareo Ijy amijane fotôgna jane, satria efa nanao asa ratsy anareo."5Jao no ljain'i Yaveh momba ny mpaminagny je nampirenireny n'oloko: "Hôn'je Namahagna an-dreo die nilaja an-dreo hoe:'Hisy fagnambinana .' Fa ho ani'je tsy nagnisy na ino na ino ambavane, die hanomboke hiady aminaje areo. 6Noho jane, die ho aligna hônareo jane safy tsy hisy fahitana hônareo; ho mejigna jane ba tsy hanôvanareo sikidy. Hikôke io ba tsy hanôvanareo sikidy. Hikôke amin'ny mpaminagny ny masoandro, are ho mejigna amin-dreo ny andro. 7Hi-megnarina ny mphita, sady ho vere hevitre ny mpisikidy. Hanampigna ny molone ijy abiaby, satria tsisy valine hataminahe atoy."8Fa laha n'eminahe, die feno here noho ny Fagnahin'i Yaveh aho, sady feno fahamarinana sy faherejana, ba hagnambara amin'i Jakoba helogne, s'emin'Israely je fajotane.9Mitenoz anijao, anareo mpitarike ny taranaj'i Jakoba, sy mpanapake ny taranak'Israely, anareo je mankahala fahamarinana, sy je magnodidigna ny raha matina abiaby. 10Manangagna an'i Ziona amin'ny rà sy Jerosalema amim-pahotana anareo. 11Mitsara noho ny kolikoly n'empitsaranareo, mampianatre noho ny tambe n'empisorognareo, sady maminagny nojo ny vola ny mpaminagninareo. Nefa anareo miankigna amin'i Yaveh ka manao hoe: "Sa tsy momba atsena ve Yaveh? ka die tsy hisy ratsy hahajo atsena."12Noho jane, nohônao, die hasaina hôtran'ny saha i Ziona, hanjary korotam-bato i Jerosalema, are hanjary hôtran'ny vohitre rakotr'ala ny vohitrin'ny tempoly.
Chapter 4

1Fa amin'ny andro farane die hiorigna amin'ny tendrombohitre hafa ny tendrombohitry ny tragnon'i Yaveh. Hatsangagna amnonin'ny vohitre jane, sady hitanjotre handeha amijane ny vahôke.2Handeha ny firenena maro ka hanao hoe: "Avia, handeha atsena hiakatre an-tendrombohitr'i Yaveh, an-dragnon'Andremanitr'i Jakoba. Hampianatre atsena je fombane Ijy, sady handeha amin'ny lalagne atsena." Fa avy a Ziona ao no iboahan'ny lalàna, die avy a Jerosalema ny jakan'i Yaveh. 3Hitsara amin'ny vahôke rahabe Ijy sady hanapa-pakevitre mahakasike ny firenena rahabe lavitre. Hamele ny mesan-dreo hôn-gady areo are ny lefogne ho fiborena. Tsy hangagna mesa hifamele ny firenena, na hijatre hômin'ny ady koa.4Kanefa, hamela ny olo isanisane ambanin'ny vôlobogne sy ambanin'ny hajon'aviavigne areo. Tsy hisy olo hampatahotre an-dreo, fa ny vavan'i Yaveh Tompon'ny rehetra no efa nijaka. 5Fa ny vahôke abiaby die mandeha, ny olo tsirairay, amin'egnaran'endremanine. Fa atsena die handeha amin'egnaran'i Yaveh Andremanitsena mandrakijay doria.6"Amijane andro jane" hoy Yaveh die "Hamore ny maleme sady hamore ny vahôke Aho, die hôni'je nampahoreko. 7Hatako ho sisa mivela ny maleme, sady ho firenena matanjake hôni'je vôrôke, sady Aho, Yaveh, no hanjaka amin-dreo an_Tendrombohitr'i Ziona, amijao sady mandrakijay. 8Are anao, a tilikambo fembenana ny ondry sy osy, vohitrin'ny janaka vavin'i Ziona-- die ho avy aminao jane, hampody ny fanapahanao taloha, die ny fanjakana je an'ny janakavavin'i Jerosalema.9Amijao, nahôna no mihieke maharé anao? Tsisy mpanjaka ve aminao eo? Maty ve ny mpanolotsaignao? Jane ve no mahatonga ny fanaintaignana mahajo a ao hôtran'en'ny viave am-pitirhana eo? 10Ôka hanaintaigna sady hihetsi-jaja laha hiterake, a janakavavin'i Ziona, hôtran'ny viave miterake. Fa amijao anao die hivôke ny tanàna, hitoetre an-saha agne, sady handeha a Babylona agne. Agne no hahnavotana anao. Agne no hagnavotan'i Yaveh anao an-tagnan'ny fahavalonao.11Amijao mivondrogna hanohitre anao ny firenena rahabe; hoy areo: 'Ôka ho vóloto ijy; ôka ny mason-tsena amin'i Ziona."' 12Hoy ny mpaminagny: "'Tsy fanta-dreo ny eritreritr'i Yaveh, sady tsy takane ny fikasane, fefa namore an-dreo hôtran'emboara hôm-pamolôna Ijy."13Hoy Yaveh: "Mitsangàna ka mamoleja, a janakavavin'i Ziona, fa hatako vy tandrokao, sady hatako rahabe anao. Aho hanokagna ny harene tsy ara-drariny hônahe, Yaveh, ny fanagnan-dreo hôn'Ahe, ny Tompon'ny tane manontolo."
Chapter 5

1Amijao meraha avy amin'ny filaharan'ady ao, a janakavavin'ny maramila; efa namela tobon-tane magnodidigna ny tanàna ny maramila, amin'ny tsora-kajo no hamilejane ny mpitsaran'Isaely amin'ny takolagne eo.2Nefa anao, a Betlehema Efrata, na die farane je kele amin'ny fokn'i Joda eo aja anao, die aminao ao no ivoahan'ny olo handeha aminahe ba hanapake ny Israely, je hatamin'ny fotôgna taloha ny fendohane, ka haharitre mandrakijay. 3Noho jane die hahafoe an-dreo Andremanitre, hatamin'ny fotôgna hitrotrôni'je mihetsi-jaja jajakele, sady ny mivela amin'enadahine die hipody amin'ny vahôkan'Israely.4Hijoro ijy sady handigny ny ondry sy osine amin'ny herin'i Yaveh, amin'ny boninahitry ny agnaran'i Yaveh Andremanine. Hitoetre areo, sady satria hôngeja be fehijay amin'ny faran'ny tane Ijy. 5Ho fedanan-tsena Ijy. Laha avy amin'ny tanitsena ny Asyriana, laha manao diabe hanohitre ny ferovana mafitsena areo, die hitsangagna hanohitre an-dreo amin'ny mpiambigna ondry fito sy mpitarike valo amin'ny olo atsena.6Handigny ny tanin'ny Asyria amin'ny mesa areo, sady eo no fidirana amijane ny tanin'i Nimroda. Hagnavotre atsena amin'ny Asyriana ijy, laha avy amin-tsena areo, laha manao diabe agnayin'ny faritanitsena areo. 7Ny sisa mivela amin'i Jakoba die ho eo agnivon'ny vahôke rahabe, hôtran'ny ando hatamin'i Yaveh, hôtran'ny ranon'erike amin'ny ahi-metso eo, je tsy mandigny olo, sady tsy mandigny ny janak'olombelogna areo.8Ny sisa mivela amin'i Jakoba die hôamin'ny min'ny firenena, amin'ny vahôke rahabe, hôtran'ny liogna amin'ny biby an'gnala, hôtran'ny liogna tanora amin'ny andien'ondry. Laha hahnosihosy io ka hamotipotike io, die tsy hisy opo hamonje an-dreo. 9Hiakatre hamele ny fahavalonao ny tagnanao, ka hamotike an-dreo jane.10"Jao no hitranga amijane andro jane" hoy Yaveh "Havoniko amianao ny sôvalinao ka hipotehiko ny kalesanao. 11Hiravaiko ny tanàna amin'ny taninao are harodako ny mandanao ahiaby.12Hipotehiko ny sikidy an-tagnanao eo, sady tsy hanagna mpisikidy koa anao. 13Hipotehiko ny sare sikotrao sy je tsangam-batonao aminao eo. Tsy hanompo ny asa-tagnanao koa anao. 14Hifongoriko aminao eo ny bôn'aserahanao, sady hiravako ny tanànanao. 15Hagnatanterake valifate amim-pahabignirana amin'ny firenena je tsy nankatò Aho."
Chapter 6

1Amijao mitenoa je lajain'i Yaveh: "Mitsangàna are alaharo agnatrehan'ny tendrombohitre ny raharahanareo; ôka ny vohitre haharegne ny feonareo. 2Mitenoa ny adin'i Yaveh, anareo tendrombohitre, s'enareo fagnambane maharitry tane. Fa managna ady amin'ny vahôkan'i Yaveh, sady hiady hanohitre ny Israely amin'ny fitsarana eo Ijy."3"Ô oloko, ino no natako anareo? Aôna no nandrirahako anareo? Mijoroa vavolombelogna hanohitre Anahe! 4Fa nandako niakatre hivôke an'ny tane Egypta anareo ka navotako hivôke ny tragno fagnandevojana. Nagnirake an'i Mosesy, Arona, sy Miriama taminareoAho. 5Ô oloko, tsarovy je nihiverin i Balake mpanjakan'i Moaba, sy je fomba namalen'i Balama janak'i Beora anaje laha andeha a Sikitima ka hata-Gilgala anareo, ba hahafahanareo mahalala ny asa-marin'i Yaveh."6Ino no tokony handako jôn'i Yaveh, laha menkohoke amin'Andremanitre ambone Aho? Tokone ho avy aminaje miaraka amin'ny fagnatitre rôna, amin'ny janak'aombe heritaogna ve aho? 7Sa ve Yaveh hankasitrake ondrilahy an'agnarivone, na onin-diloilo an'gnilane? Tokony hanolotre ny lahimatoako noho ny heloko ve aho, je naterako noho ny fahotako hiany? 8Efa nijaka anao Ijy, ô raolo, hoe ino ny tsara, sady ino no taken'i Yaveh aminao: Manôva ny marina, tiavo amim-pahatsorana, sady mandihana amim-pagnetren-tegna miaraka amin'Andremanitrao.9Manao fagnambarana amin'ny tanàna ny feon'i Yaveh-- na ny fahendrena aja amijao ny tsora-kajo, sy ny olo je nametrake anijane tamin'ny fitoerane. 10Misy harena an-dragnon'ny ratsy fagnahy tsy marina, are fandrefesana mivande je fahavetavetana.11Tokony hihevitre ny olo ho tsy manan-tsigny ve Aho laha mampiasa mijagna mivande ijy, miaraka amin'ny tante fandanjana mamitake? 12Feno herisetre ny mpanan-karena, efa nilaja vande io mponigna io, sady mpamitake ny lela ambavane ao.13Noho jane die namele anao tamin'ny ratre maharare Aho, efa niravaiko noho ny fahotanao anao. 14Hihinagna anao fa tsy ho afa-po; hitoetra agnatinao ao ny mosarinao. Hamore harena anao fa tsy hahavôvore, sady je vôvorinao die hameko mesane. 15Hamafe anao fa tsy hijinja; hagnitsakitsake oliva anao fa tsy hinogna diloilo; hagnosihose vôloboke anao fa tsy ba hinogna divay.16Ny fitsipike natan'i Omry diefa vôtandrigna, sady je asan'ny taranak'i Ahaba abiaby. Mandeha araka ny torohevi-dreo anao. Ka hiravaiko anao a tanàna, sady raha mampisetrasetre anareo a mponigna, sady hiteno latsa hôtran'ny vahôkako anareo."
Chapter 7

1Lojako! Fa hôn'Ahe io die hôtran'ny hoe tapitre ny fambolejana ny ambim-bôloboke: Tsisy sampam-bôloboke hita koa, tsy nisy tamin'ny aviavy taogna raike je nirieko mafé. 2Nanjavogna tamin'ny tane ny olo matoky, tsisy olo-mahitsy amin'ny olom-belogna abiaby. Mieritreritre handatsa-drà aby ijy abiaby; ny isanisane magnanjaka an'ny rahalahine amin'ny harato ijy.3Malaky amin'ny fanóvan-dratsy ny tagnan-dreo: mitaky vola ny mpanapake, vognona amin'ny kolikoly ny mpitsara, sady milaja amin'ny hafa je tieny ho ajo ny lelahy matanjaka. Die hôtran'ijane no erahane miteti-dratsy. 4Farane je tsara indrindra amin-dreo die hôtran'ny roe, ny mahitsy indrindra die fefe fantsy. Jany die andro efa vôlajan'ny mpitilinao meloha, die ny andro fanajena anareo. Jao no fotôgnan'ny fahaverejan-kevi-dreo.5Aja matoky mpiara-belogna; aja mametra-pitokisana amin'ekama. Tandremo je ljainao na dieamin'ny viave je mandre an-sandrinao aja. 6Fa hagniratsira an'iabane ny janaka lahy, hitsangagna hanohitre an'iendrine ny janagne vave, sady ny vinanto vave hanohitre ny rafojam-babine. Ny olo an-dragnone hiany no fahavalon'olo ao.7Fa laha aho aloha, die hijere an'i Yaveh aho, handigny n'Endremanitry ny famonjena anahe Aho; haharegne anahe n'Endremanitro. 8Aja mifale aminahe, a fahavaloko. Fa laha lavo aho, die hiarigna indraike. Laha mipetraka amin'ny hejigna aho, die Yaveh no ho fahajavana hôn'Ahe.9Satria nanota tamin'i Yaveh aho, die hiteno ny habihnirane mandram-pandaharane je jakako, sady hagnatanterahane fitsarana hôn'Ahe. Hitondra anahe hômin'ny fahajavana Ijy, sady hahita Anaje magnavotre anahe amin'ny fahamarinane ao aho.10Die hahita anijane ny fahavaloko, ka ny hegnatre no handrakotre je nijaka taminahe hoe: "Aja Yaveh Andremjitrao?" Hijere anaje ny masoko; ho vôhosihosy hôtran'ny fotaka an-dalagna egne ijy.11Hoavy ny andro hananganana ny mandanao; amijane andro jane die hitarigna lavitre ny faritaninao. 12Amijane andro jane die ho avy aminao ny vahôknao, hata-Asyria sy je tanàna a Egypta agne, hat-Egypta ka hatamin'ny renirano angeja be, Eofrata, hatamin'ny rajomasina ka hatamin'ny ranomasina, die hatamin'ny tendrombohitre ka hatamin'ny tendrombojitre. 13Io tane io die hilôjanao noho ny vahôke je mipetrake ao amijao, noho ny vokatry ny asan-dreo.14Ambeno amin'ny tsora-kajo ny vahôkamao, die ny ondry sy osin'ny lovanao. Mipetra-drere agnati'ala areo, agnivon'ny tanimbole. Aleo areo hihinagna a Basana sy Gileada hôtran'ny tamin'ny andro taloha. 15Hôtran'ny tamin'ny andro je nivoahanao tamin'ny tane Egypta, die hanoro fahagagana an-dreo Ajo.16Hahita sady ho megnatre ny herine abiaby ny firenena. Hitampim-bava areo; harenina ny sofin-dreo. 17Hilelatre ny vovoke jôtran'ny bibilava, hótran'ny java-boary je misosotre amin'ny tane areo. Hivôke hatan-davagne amin'ny tahotre areo; ho avy amin-tahotre Aminao eo areo, a Yaveh Andremanitray, sady hatahotre noho Anao.18Ija no Andremanitre hôtranao, Anao je mangala fahotana, Anao je mandalo ambonin'ny heloky ny sisa mivela amin'ny lovanao? Tsy mitàgna ny havigniranao mandrakijay Anao, satria tienao ny manoro ny famindram-ponao aminay.19Halahelo anao indraike Anao; handidia ny helokay ambany hongotrao ao Anao. Hahnare ny otanay abiaby amin'ny lalin'gny ranomasina ao Anao. 20Hahnome ny marina hôn'i Jakoba sy je famindram-po hôn'i Abrahama Anao, hôtran'ny niaignanao tamin'ny rajambenay tamin'ny andro taloha.

Habakkuk

Chapter 1

1Ny hafatre je niresin'i Habakoka pzminagny: 2"Ô Yaveh, mandra-pevena no hilako vonjy, ka tsy hiteno iAnao? Nangaike maré Anao tagnatin'ny horohoro aho joe: "Herisetre!" nefa tsy hamonjy anahe Anao.3Nahôna no atanao mahita heloke aho sady mahita ny fanôvan-dratsy? Fandravana sy herisetre no alohako eo; misy fifandirana, sady fanangagnana fifanjevôna. 4Noho jane die tsy nanan-kere ny lalàna, sady tsy naharitre tamin'ny fotôgna abiaby ny ratine. Fa nihodidigna ny fahamarinana je ratsy fagnahy; ka die mivôke ny rarine diso." Mamale an'i Habakoka Yaveh.5"Jirevo ny firenena ka hadihadio areo; ôka ho gaga sy ho talanjogna! Fefa hanao raha tokôtre Ajo ami'je andronareo je tsy hinônanreo laha taterina aminareo jane. 6Fa hoavy! Hagnarigna ny Kaldeana Aho-- je firenena maseke sacy mahery setre- manao diabe magneragna ny sakan'ny tane ba hagnagadra ny tragno je ts'endreo ijy. 7Mampihorohoro sady mampatahotre areo; hatamin'ny tegnan-dreo ny fitsarane sy famirapiratane.8Ny sôvaline hiany koa die malaky fandeha nojo ny Leoparda, malaky noho ny amboadia aligna. Ka miriotre ny sôvalin-dreo, sady hatalavitre marina ny mpideba sôvalin-dreo-- magnembogna hôtra ny tsipara meka hihinagna areo. 9Avy tratrin'ny herisetre aby ijy abiaby; mandeha hôtran'ny rivotre antetefitre ny vahôke rahaben-dreo, sary mamore ny tratra gadra hôtran'ny fasike areo.10Ka naniratsira n'empanjaka areo, ka n'empanja die fihihejana hô -dreo fotsine hiany. Nihehe ny ferovana mafé abiaby areo, satria nagnabo tane areo ka nanambotre an-dreo. 11Die ho avy ny rivotre; handalo jane-- olo meloke, hôni'je heriny no andremani-dreo." Mametrake fagnotanena hafa amin'i Yaveh i Habakoka.12"Sa ve tsy avy amin'ny fotôgna taloha Anao, a Yaveh Andremanitro, Je Ray Masiko? Tsy ho fate ahay. Efa nanendre an-dreo hitsaraina Yaveh, die Anao, a Vatolampe, no efa nametrake zn-dreo hahitsy.13Madio lôtre masonao laha handinike ny ratsy, sady tsy afake ny hijere amin-sitrake ny fanôvan-dratsy Anao; ka nahôna are no nagnano fijere tsara hôni'je mamadike Anao? Nahôna no mangigna Anao laha miteligna ny marina kokoa nohôn-dreo ny ratsy fagnahy? 14Natanao hôtran'ny laoka andrano an-dranomasina ny olo, hôtran'ny raha mandady tsisy mpanapake anaje.15Mampiakatre anaje abiaby amin'ny vitagna areo; manintogna olo akin'ny haraton-daoke andrano areo ka mamore an'io amin'ny haratone ao. Jane antone jane no hifalen-dreo sy hihiekiahane maré. 16Noho jane die nagnano sorogna hôn'ny haratondaoke andrano areo ka nabnoro ditin-kajo magnitre hôn'ny hratone, fa bibi-dia matave no anjaran-dreo, die hena matave no rahanine. 17Sa ve hagnafôgna ny haratone areo ka hajohe hamono ny firenena, tsy mahatsapa fangoraham-po?'
Chapter 2

1Hitsangagna amin'ny fembenako jo ka hampiegnina anahe amin'ny tilikambo fembenako eo, sady hijere tsara ajo ba hahita je hilajaine aminahe sy fomba helako amin'ny fitaregnako.2amale anahe Yaveh ka nilaja hoe: "Riketo jao fahitana jai, ka soraty majava amin'ny vato fisake eo ka je rehetra mamaky an'io soratre io die ho afaka hamaky an-dreo mora. 3Fa hoavy amin'ny fotôgna ny fahitana ka hitranga hiany amin'ny farane fa fsy ho fôgna. Na die tara aja jane, die andiaso. Fa tsy mentsy hoavy jane ka tsy hitaredretre.4Je manam-pagnirena tsy matina agnatiny die mieboebo. Fa ny olo marina die ho veligna noho ny finône. 5Fa ny divay die mpamadike ny tanora lahy mpavognavogna ba tsy hitoerane, fa hagnitatre ny fagniriene hôtran'ny fasagna, sady hôtran'ny mate, je tsy mete afa-po mihintsy. Avorine hônaje ny firenena abiaby sady havorine hônaje ny vahôke abiaby.6Tsy hamorogna fomba fikakana hagnesôna anaje na hira fagnesôna momba anaje ve io abiaby io, ka hanao hoe: "Loja hôni'je mampitombo ny ts'enaje! Fa mandra-pevena no hampitombônaoa ny lanjan'ny antoke je nalainao?" 7Tsy hitsangagna tampoke ve je magnehitre anao, sady hifoha je mampihorohoro anao? Hanjary lasibatre hôn-dreo anao. 8Satria anao nandrava vahôke rahabe, je vahôke sisa abiaby die handrava anao. Fa nandatsa-drà olombelogna anao ka nanao herisetre tamin'ny tane, sy ny tanàna, safy jay abiaby je monigna amin'io tanana io.9"Loja hôni'je fatra-pila harena amin'ny fanôvan-dratsy ko tombone hôn'enkohonane, ba hahafahane mambôtre n'enkanine amin'ny ambone ba herovane an'ny tegnane am-pelatagnan'ny ratsy.' 10Nijara fahamegnarana hôn'enkohonanao anao tamin'ny nandringagnanao olo rahabe, ka nanota tamin'ny tegnanao. 11Fa hihieke hatamin'ny manda io vato io, are ny vatan-kajo no hamale an-dreo,12"Loja hôni'je manangagna tanàna amin'ny rà, sady je mambôtre tanàn-dehibe amin'ny heloke." 13Tsy hatamin'i Yaveh Tompon'ny rehetra ve no hesan'ny vahôke amin'ny afo sy ny hisasaran'ny firenena amin'ny java-pôgna? 14Kanefa ny tane die ho feno fahalalana ny voninahitr'i Yaveh hôtran'ny rano mandrakotre ny ranomasina.15"Loja hôni'je mampinogna ny mpiara-monigna aminaje. anao je magnisy ny mpoijinao mandrapahamamonao an-dreo ba ahafahanao mijere ny fijilen-dreo." 16Ho feno fahamegnarana anao fa tsy voninahitre. Hinogna amin'io hiany koa, sady hanoro ny fijilenao. Hipody hitodike aminao ny fiokan'Yaveh an-tagnane ankavanana, ka handrakotre ny voninahitrao ny fahafaham-barake.17Ny herisetre natao an'i Libanona hanafotre anao ka hampihorohoro anao ny faharavan'ny biby. Fa nandatsadrà olo anao ka nanao herisetre tamin'ny tane, io tanàna io, sy je rehetra monigna aminaje ao.18Ino tombotsoanao amin'ny sare sikotre? Fa je nagnano an'io, na je magnano sarin-draha agn'idina amin'ny by, die mpqmpiqnqtre vande; fa mayoky sy asatagnane hiany ijy laha manam-boninahitre n'endremanitre môgna areo. 19"Loja hôni'je mijaka amin'ny hajo hoe: Migohaja!" na amin'ny vato mangigna joe: "Mitsangana" sa mampianatre ve io raha io? Io, vôpetake bolamena sy volafotsy jane, kanefa tsisy fogon'aigna aja amijane. 20Fa Yaveh die an-tempoline masina! Mangigna agnatrehane eo, a tany abiaby."
Chapter 3

1Ny vavak'i Habakoka mpaminagmy: 2Ô Yaveh, efa regniko ny tatitrao, sady reki-tahotre aho. Ô Yaveh, nilomy agnivon'ny fotôgna io ny asanao; ampahafantaro agnivon'ny fotôgna eo io jane; tadidio ny hanagna famindram-po amin'ny fahabigniranao.3Avy hata-Temana Andremanitre, die Ny Masina hatan-Tendrombohitr'i Parana. Sela. Mandrakotre ny lagnitre ny voninahine, die ny tane feno fiderane.4Je fitaratre rolahiteon'ny tahnane die mamirapiratre hôtran'ny tselatre, je nivonen'ny herine. 5Aretigna mahafate no nandeha talohany teo, die areti-mandringagna no nanarake an'ny hongone.6Nitsangagna Ijy ka nandrefe ny tane; nijere Ijy ka nagnojonhojogna ny firenena. Na die ny tendrombohitre maharitre mandrakijay aja torotoro, sady nihegna ny havôgna tsy manam-paharetana. Tsy manam-pahataperana lalagne.7Nahita ny lain'i Kosana ajom-pahorena aho, are ny famboarana ny lamban'ny lay tamin'ny tanin'ny Midiana tagne die nihorohoro. 8Vignitre tamin'ny ony ve Yaveh? Sa ny fahavigniranao ve tamin'ny ony, na ny fahasorenanao tamin'ny ranomasina, laha nideba ny sôvalinao anao sy je kalesam-pandresenao?9Nitondra ny tsipìkanao tsy niarake tamin'ny fitoerane anao; nametrake jana-tsipìka tamin'ny tsipìkanao anao! Sela. Nijara ny tane tamin'ny ony Anao. 10Nahita anao ny tendrombohitre ka nanaintaigna. Erika be mivandravandra no nandalo tamin-dreo teo; nanangagna hieke ny ranomasina laligna. Nampianatre ny onjane jane.11Ny masoandro sy volagna nibela tamony tamjn'ny fitoerane ambone tamin'ny jana-tsipìkanao ka nilefa areo, tamin'ny lefognao. 12Nandeha namakivaky ny tane tamin-kavignirana Anao. Tamin'ny fahavignirana no nagnosihosenao an'io firenena io.13Nivôke handeha amin'ny famonjena ny vahôkanao anao, hômin'ny famonjena je vôhositrao. Manorotoro ny lohan'enkohonan'ny ratsy fagnahy ba hampiharihary ny foto-katogne. Sela14Niloahanao tamin'ny jana-tsipìkane hiany ny lohan'ny mpiadine laha avy hôtran'ny tafiotre hagnele anay areo, ny fifalen-dreo die hôtra ny ani'je mandevogna ny mahantra amin'ny toerana mivony. 15Efa nandeha namakivaky ny ranomasina tamin'ny sôvalinao ano, sady nampisavovogna ny rano be.16Naharegne aho, ka nihorohoro ny tagnayiko tao! Nipararetre tamin'ny feo ny molotro. Avy tamin'ny tôlako ny fangorohorôna, ka nangorohoro ny vatako laha nandigny amim-pahanginana ny androm-pahorena heven'ny olo je handrava anay.17Na die tsy mamoa aja ny hajon'aviavy sady tsisy vokatre ny tahom-bôloboke; sady na die mandiso fagnantenana aja ny hajo oliva sady tsy mamokatre hanina ny saha; are na die haringagna aja ny ondry am-bala ao ka tsisy biby fiompe am-pihinanana ao, die jao no hatako.18Bola hiravoravo amin'i Yaveh ajo. Hifale aho noho ny famonjen'Zndremznitre anahe. 19Ny Tompo Yaveh no heriko ka manao ny hongotro hótran'ny diera Ijy. Mampandroso anahe amin'ny toerako ambone agne Ijy. -- Hôn'ny lehiben'ny mpihira, amin'ny fitôvan-dokangako.

Haggai

Chapter 1

1Tamin'ny taogna faharoa nanjakan'i Dariosa mpanjaka, tamin'ny fahenin'ny volagna, tamin'ny andro vôlohan'ny volagna, dia avy tamin'ny alalan'gny tagnan'i Hagay mpaminagny tamin'i Zerobabela goverinoran'i Joda teo, janaka lahin'i Sealtiela, ary tamin'i Josoa mpisorognabe janaka lahin'i Jozadaka ,y jakan'i Yaveh, nagnano hoe: 2"Yaveh Tompon'ny rehetra milaja anijao: Jao no nilajain'ny vahôka io: 'Tsy fotôgna ieven-tsena na hagnorenan-tsena tragno hôn'i Yaveh jao."'3Aviteo dia avy tamin'elalan'ny tagnan'i Hagay mpaminagny ny jakan'i Yaveh, nagnano hoe: 4''Fotôgna honegnanareo amin'ny tragno vitanareo ao ve jao, 5laha hôtra ka bola rava jany tragno jane? Ka amijao Yaveh Tompon'ny rehetra milaja anijao: Diniho io fombanareo aby io! 6Nagnamafy voa rahabe anareo, fa nahajo vokatra kele; nihinagna anareo nefa tsy afa-po; ninogna anareo fa tsy mamo. Nitafy akanjo anareo fa tsy afaka nagnafaka ny vatagnareo, sady ny mpikarama dia handray vola hatao agnaty sakôsy feno lôke fotsiny mandy!7Jao lajain'i Yaveh Tompon'ny rehetra: ''Diniho ny fombanareo! 8Mekara an-tendrombohitra agne, mitondrà hajo, sady aoregno ny tragnoko; dia hifaly amijany ao Aho, sady homem-boninahitra Aho!__hoy i Yaveh." 9"Mandremby ny be anareo, kanefa ino! tragno kely nandanareo, satria nitsofiko jane! Nahôna?'' Nagnambara i Yaveh Tompon'ny rehetra. "Satria ny tragnoko dia rava, laha hôtra ka miasa hôn'ny tragnony aby ny tsirairay aminareo.10Noho jany ny lagnitra dia hajahôna ny ando tsy hônareo, ary ny tany dia hitagna ny vokane. 11Nangaika hain-tany tamin'ny tany sy amin'ny tendrombohitra teo, tamin'ny vary sy tamin'ny divay vôvao, tamin'ny diloilo sy tamin'ny vokatry ny tane, tamin'ny olo sy tamin'ny biby teo, tamin,'ny asan'ny tagnanareo abiaby Aho!"12Ary Zerobabela janaka lahin'i Sealtiela, sy i Josoa mpisorognabe janaka lahin'i Jozadaka, miaraka amin'ny olo sisa mivela, dia nankatò ny feon'i Yaveh Andremani-dreo sy jakan'i Hagay mpaminagny, satria Yaveh Andremani-dreo no nandefa anajy ary ny vahôka dia natahotra ny tavan'gni Yaveh. 13Ary i Hagay, jay mpitondra ny jakan'i Yaveh, dia nijaka ny hafatr"i Yaveh tamin'ny vahôka nagnano hoe: "Miaraka aminareo Aho!__jany no fagnambaran'i Yaveh!"14Ka nagnetsika ny fagnahin'i Zerobabela janaka lahin'i Sealtiela, governoran'i Joda, sy fagnahin'i Josoa mpisorognabe janaka lahin'i Jozadaka, ary ny fagnahin'ny vahôka sisa nibela abiaby i Yaveh, ba handeha areo ka hiasa amin'i tragnon'i Yaveh Tompon'ny rehetra, Andremani-dreo 15tamin'ny andro fahefatra amby rôpolon'ny volagna fahenina, tamin'ny faharoa taogna nanjakan'i Dariosa mpanjaka.
Chapter 2

1Tamin'ny volagna fahafito tamin'ny andro faharaika amby rôpolon'ny volagna, dia avy tamin'ny alaln'gni Hagay mpaminagny ny jakan'i Yaveh, magnano hoe: 2"Mijaka amin'ny governoran'i Joda, dia i Zerobabela janak'i Sealtiela, semin'ny mpisorogna be dia i Josoa janak'i Jehozadaka, ary amin'ny sisan'ny vahôka. Lajay hoe:3"Ija no mivela aminareo jay nahita an'itoy tragno toy tamin'ny voninahiny taloha? Aôna ny fahitanareo anijany amijao? Sa ve tsy hôtran'ny tsinotsino amasonareo eo jane? 4Amijao, matanjaha, a Zarobabela!__jany no fagnambaran'i Yaveh__sady matanjaha, a mpisorogna be die i Josoa janak'i Jehozadaka; sady matanjaha, anareo vahôka abiaby amin'ny tane!__jany no fagnambaran'i Yaveh__ary miesà, fa momba anareo Aho!__jany no fagnambaran'i Yaveh Tompon'ny rehetra. 5Jany ny fagnekena jay natako taminareo laha nivôka t-Egypta anareo, sady mipetraka aminareo ny Fagnahiko? Aja matahotra!6Fa jao no lajain'i Yaveh Tompon'ny rehetra: Agnatin'ny fotôgna fohika dia hagnojongojogna ny lagnitra sy tane, ny ranomasina sy tany maigna indraika Aho! 7Hahojongojoko daholo ny firenena abiaby, sady hitondra ny raha sarobidy Aminahy eto ny firenen-drehetra, sady hifenoiko voninahitra itoy tragno toy, hoy i Yaveh Tompon'ny rehetra.8Anahy ny volafotsy sy volamena!__jany no fagnambaran'i Yaveh Tompin'ny rehetra. 9Ny voninahitr'itoy tragno toy dia ho angeja be amin'ny vô hoavy noho ny tam-bôlohane, hot Yaveh Tompon'ny rehetra, sady amintoy toerana toy no hagnomejako fedanana!__jany no fagnambaran'i Yaveh Tompon'ny rehetra.10Tamin'ny andro fahefatra amby rôpolon'ny volagna fahasivy, tamin'ny taogna faharoa nanjakan'i Dariosa, dia avy tamin'i Hagay ny jakan'i Yaveh, nagnano hoe: 11"Ijao no lajain'i Yaveh Tompon'ny rehetra: Magnotania ny mpisorogna mahakasika ny lalàna, ka lajay hoe: 12'Laha misy olo mitondra hena jay vôtokagna hôn'i Yaveh amin'ny valognan'akanjone ao, ka mikasika mofo na hanina, divay na diloilo ny valognany, na jay karajan-kanina, dia manjary tsy masina ve jane?"' Namaly ny mpisorogna ka nagnano hoe: "Tsiare?"13Dia hoy Hagay: "Laha misy olo jay maloto amin'ny faty mikasika an'io raha io, tsy lasa maloto ve io?" Namaly ny mpisorogna ka nagnano hoe: "Eka, manjary maloto io." 14Dia namaly Hagay nagnano hoe: "Dia hôtranijany koa itoy vahôka sy firenena toy agnatrehanao eo!__jany no fagnambaran,'i Yaveh__sady hôtranijany koa ny raha abiaby vitan'ny tagnan-dreo: jay atolo-dreo hôn'Ahy dia maloto.15Ka ankehitriny, hevero an-saignareo ao ny lasa ka hatramijao andro jao mihintsy. Nelohan'ny namilana ny vato ambonin'ny vato tan-tempolin'i Yaveh tao, 16dia nanao akore ary jane? Laha avy tamin'ny antontam-bary rôpolo gony tao anareo, dia folo hiany no nisy, ary laha avy tamin'ny vatan-divay ba handraoka dimampolo litatra anareo, dia rôpolo hiany no nisy. 17Namely anareo sy ny asan'ny tagnanareo abiaby tamin'ny vary sy maty fotsy Aho, nefa bola tsy nipody taminahy hiany anareo__jany no fagnambaran'i Yaveh.18Hevero manomboka anijao andro jao hatamin'ny andro fahefatra amby rôpolon'ny volagna fahasivy, hatamin'ny andro jay namilana ny fototry ny tempolin'i Yaveh. Hevero jane! 19Bola misy voa ve amin'ny tragno fagnatsarejana ao? Tsy namokatra divay, ny hajon'aviave, nempongaben-dagnitra, sy hajon'oliva! Fa manomboka amijao dia hitahy anareo Aho!"20Dia avy fagnindroany tamin'i Hagay tamin'ny andro fahefatra amby rôpolon'ny volagna ny jakan'i Yaveh ka nagnano hoe: " 21Mijaka amin'ny governoran'i Joda, dia i Zerobabela, ka lajay hoe: "Hagnojongojogna ny lagnitra sy tany Aho. 22Satria hiravaiko ny seja fendrianan'ny fanjakan'ny firenena! Hiravaiko ny kalesa by ny mpideba anijane; ho lavo ny sôvaly sy ny mpideba anijane, ny ntsirairay lavo tratrin'ny mesan'ny rahalahine.23Amijany andro jane__ijany no fagnambaran'i Yaveh Tompon'ny rehetra__dia halaiko anao, a Zerobabela janak'i Sealtiela, ho mpanompoko__jany no fagnambaran'i Yaveh. Hatako hôtran'ny ampety fanombohan-kase anao, fefa nifidy anao Aho!__jany no fagnambaran'i Yaveh Tompon'ny rehetra!"'

Zechariah

Chapter 1

1Tamin'ny volagna fahavalo tamin'ny taogna faharoy nanjakan'i Dariosa, dia avy tamin'i Zakaria janaka lahin'i Berekia janaka lahin'Ido, mpaminagny, ny jakan'i Yaveh, manao hoe: 2"Vignitra mare tamin'ny rajambenao i Yaveh! 3Lajay areo hoe: 'Jao no lajain'i Yaveh tompon'ny rehetra: Mitodiha Aminahe!__jany no fagnambaran'i Yaheh tompon'ny rehetra__die hitodika aminareo Aho, hoy Yaveh tompon'ny rehetra.4Ôka anareo tsy ho hôtran'ny rajambenareo jay nangihan'ny mpaminagny taloha teo, manao hoe: "Jao no lajain'i Yaveh tompon'ny rehetra: Melà amin'ny lalan-dratsinareo sy fampiharan-dratsinareo!" Fa tsy naharegny areo ka tsy niraharaha Anahe__jany no fagnambaran'i Yaveh.' 5Io rajambenareo io, aja areo? Aja aby ny mpaminagny, eto mandrakijay ve areo? 6Fa io jakako sy ny lalàko jay nandidieko anijay mpaminagny mpanompoko, tsy efa nahatratra ny rajambenareo ve io? Ka nibebaka areo sady nagnano hoe: 'Araka ijay efa nalahatr'i Yaveh tompon'ny rehetra hatao aminay jay tsara amin'io lalanay sy ny asanay io, no natany taminay.""7Tamin'ny andro fahefatra amby rôpolo tamin'ny faharaika ambin'ny folon'ny volagna, jay volan'gny Sabata, tamin'ny taogna faharoy nanjakan'i Dariosa, dia avy tamin'ny Zakaria, janaka lahin'i Berekia janaka lahin'Ido, jay mpaminagny, ny jakan'i Yaveh, manao: 8"Nahita tamin'ny aligna aho, sady, ito! nisy lelahy raika nideba sôvaly mena, ary tamin'ny hajo vôrotra tamin'ny lohasaha ijy; ary tafaranay dia nisy sôvaly mena, volontany somary mena, die sovaly fotsy." 9Hoy aho hoe: "Ino raha itoy, a Tompo?" Aviteo dia nisy anjely raika nivoria taminahy nagnano taminahy hoe: "Hatoroko anao hoe ino io raha io."10Ary lelahy nitsangagna tamin'ny hajo vôrotra teo namaly sady nijaka hoe: "Io no nalefan'i Yaveh ba hirenireny manerana ny tane." 11Namaly nenjely jay nitsangagna tamin'ny hajo vôrotra areo; hoy areo taminajy hoe: "Efa nirenireny eraky ny tany ahay; iot, ny tany abiaby dia bola mibela sady miegnina."12Dia namaly nenjelin'i Yaveh ka nijaka hoe: "Ô Yaveh tompon'ny rehetra, mandra-pevena no hanorônao tsy fangoraham-po amin'i Jerosalema sy amin'ny tanànan'i Joda jay efa niaritra havignirana nandritra ny fitopolo taogna jay?" 13Namaly nenjely jay nivoria taminahy, tamin'ny jaka tsara, jaka fampaherejana i Yaveh.14Ka nijaka taminahy nenjely jay nivoria taminahy hoe: "Mangiha mahare sady ka milajà hoe: 'Jao no lajain'i Yaveh tompon'ny rehetra: Saro-piaro tamim-pitivana lehibe tamin'i Jerosalema sy tamin'i Ziona Aho! Vignitra mafy amin'ny firenena jay agnatin'ny fitonena io Aho. 15Laha bola vignitra kely tamin'io Aho, dia vô maika nagnaratsy ny fahoren-dreo.16Noho jany dia jao no lajain'i Yaveh tompon'ny rehetra: Efa nipody tamin'i Jerosalema tamim-pamindram-po Aho. Ho vôtsangagna agnatin'ny tragnoko__jany no fagnambaran'i Yaveh tompon'ny rehetra__ary ny famelana dia hihenjagnina amin'i Jerosalema!' 17Mangiha mahare indraike, manao hoe: Ho tondraka indraika ny tanànako, sady hampahery an'i Ziona indraika Yaveh, die hifidy an'i Jerosalema indraika Ijy."'18Dia nampiakatra ny masoko aho ka nahita tandroka efatra! 19Nivoria tamin'enjelyjay nivoria taminahy aho hoe: ''Ino aby io?" Namaly anahy ijy hoe: "Io no tandroka jay efa nagnaparitaka an'i Joda, Israely, ary Jerosalema."20Aviteo dia nanoro mpagnano asa tagnana efatra taminaht i Yaveh. 21Hoy aho hoe: "Ino no anton-dian'io olo io?" Namaly ijy, sady nijaka hoe: "Io no tandroka jay nagnaparitaka an'i Joda ba tsy hisy bolo afaka hampiakatra ny lohane. Fa io olo io dia avy ba handrôka an-dreo, ba handrava ny tandrokin'ny firenena jay nanangagna tandroka manohitra ny tanin'i Joda ba hagnaparitaka anaje."
Chapter 2

1Magnaraka anijany dia nampiakatra ny masoko aho ka nahita lelahy niaraka tamin'ny tady fandrefesana tan-tagnany tegne. 2Hoy aho hoe: "Handeha hoaja anao?" Dia hoy ijy taminaht hoe: "Handrefy an'i Jerosalema, hamaritra ny sakany sy lavane."3Dia lasa nenjely jay nivoria taminahy ka nisy anjely raika hafa nivôka ba hitsena anaje. 4Hoy nenjely faharoa taminajy hoe: "Mihajakajaha ka mivoriana amijalahy igne; lajay hoe: 'Hipetraka amin'ny tanàna mivoha i Jerosalema 5nohon'ny haben'ny olo sy biby aminajy ao. Fa Aho__jany no fagnambaran'i Yaveh__dia ho lasa manda afo magnodidigna anaje, sady ho ninahitra agnivony eo Aho.6Malakia! Malakia! Milifasa hatamin'ny tany avaratra__jany no fagnambaran'i Yaveh__fa Aho efa nagnaboely anareo hôtran'ny rivotra efatry ny lagnitra!__jany no fagnambaran'i Yaveh. 7Eh! Milifasa mandeha a Ziona, anareo jay mipetraka miaraka amin'ny janaka vavin'i Babylona!"'8Fa tafaran'ny nagnomejan'i Yaveh tompon'ny rehetra voninahitra anahy sy nandifasany anahy hanohitra ny firenena jay nandroba anareo__fa na ija na ija mikasika anareo, die mikasika ny anakandriamason'Andremanitra!--laha nagnano anijan y i Yaveh, dia hoy Ijy hoe: 9"Aho mihintsy no hanjijitra ny tagnako amin-dreo, ary dia gadra hôn'ny andevony areo.'' Dia ho fantatrareo fa i Yaveh tompon'ny rehetra no nagniraka anahe.10"Mihirà hômin'ny fifalena, a janaka vavin'i Ziona, fa Aho mihintsy no ho avy sady hidoby amianreo eo." 11Aviteo ny firenen-dehibe hiaraka amin'i Yaveh amijany andro jane. Hoy ijy hoe; "Die ho lasa vahôkako anareo; fa hidoby agnivonareo Aho," sady ho fantatrareo fa Yaveh tompon'ny rehetra no nagniraka anahy hôminareo eo.12Fa Yaveh hampandova an'i Joda hôtran'ny fanagnany ara-drariny amin'ny tany masina agny sady hifify indraika an'i Jerosalema hônaje. 13Aja mijaka, alohan'i Yaveh eo, a nofo abiaby, fa nitsangagna hatamin'ny toerana masina tao Ijy!
Chapter 3

1Aviteo Yaveh nanoro anahy an'i Josoa mpisorognabe jay nijoro tan-tagna-kavanany ba hempanga anajy ho nanota. 2Hoy nenjelin'i Yaveh tamin'ny Satana hoe: "Hijaka mare anao anie Yaveh, a Satana; Yaveh, jay nifidy an'i Jerosalema anie, hijaka mare anao! Sa tsy forohagna nalaina tamin'ny afo ve itoy?" 3Nekanjo fitafena maloto Josoa laha nijoro talohan'enjely.4Nivoria ny anjely sady nijaka tamin'ijay nijoro talohany hoe: "Alay aminajy ny fitafena maloto." Dia hoy ijy tamin'i Josoa hoe: "Ito! Efa nalaiko taminao ny helokao ka hampekanjoiko akanjo tsara anao." 5Hoy ijy hoe: " Aleo areo hametaka hamama madio an-dohany eo!" Dia nametaka hamama madio tambonin'i lohan'i Josoa areo sady nampekanjo anajy tamin'ny akanjo madio laha nijoro narivo anajy teo ny anjelin'i Yaveh.6Aviiteo ny anjelin'i Yaveh nibeko am-pahamatorana an'i Josoa ka nijaka hoe: 7"Ijao no lajain'i Yaveh tompon'ny rehetra: Laha handeha amin'ny lalako anao, sady laha hitandrigna jay didiko anao, dia hifehy ny tragnoko anao sady hiambigna ny kianjako, satria habelako handeha sy hiditra amijay mijoro alohako eo anao.8Tenoy, a Josoa mpisorognabe, anao sy jay akamanao mipetraka miaraka aminao! Fa famantarana an'io olo io, satria Aho mihitsy no hampiakatra ny mpanompoko ny Rantsagna. 9Ary jerevo ny vato jay napetrako alohan'i Josoa/ Misy maso fito amin'io vato tokagna io ao, ary hambôtra sikotra soratra Aho__jany no fagnambaran'i Yaveh tompon'ny rehetra__sady hangala ny fahotana amitoy tany toy agnatin'indraika andro Aho.10Amijany andro jane__jany no fagnambaran'i Yaveh tompon'ny rehetra__ny olo tsirairay dia hanasa ny mpiara-belogna aminajy ba hitoboka ambanin'ny vôlobogny sy ambanin'ny hajon'aviavigne."
Chapter 4

1Aviteo nitodika sady nanaitra anahy hôtran'ny olo terina amin'ny torimasony nenjely hay nivoria taminahe. 2Hoy ijy taminahe hoe: "Ino no hitanao?" Dia hoy aho hoe: "Mahita fanôvan-jiro vita amin'ny volamena tanteraka aho, miaraka amin'ny fipitrahan-diloilo an-tampony eo. Misy lela fanôvan-jiro fito amijany eo sady misy lavaka fito an-tampon'ny lahin-jiro kiraidraike. 3Misy hajon'oliva rolahiteo agnilan'gnijany eo, raika amin'ilany amin'ny tagnan-kavanan'ny fiîtrahan-diloilo die ny hafa amin'ilany an-kavia eo.4Noho jany dia nivoria tamin'ny anjely jay nivoria taminahy indraika aho. Hoy aho hoe: "Ino no dikan'io raha io, a tompoko?" 5Namaly anahy nenjely jay nivoria taminahy ka nagnano taminahy hoe: "Tsy fantatrao ve ny dikan'io raha io?3 Dia hoy aho hoe: "Tsiare, tompoko."6Noho jany dia hoy ijy taminahy hoe: "Jao no jakan'i Yaveh tamin'i Zerobabela: Tsy amin-kery na amin'ny tanjaka, fa amin'ny Fagnahiko, hoy Yaveh tompon'ny rehetra. 7Ino moa anao, a tendrombohitra be? Ho lasa tany lemaka alohan'i Zero babela eo anao, sady hitondra ny vato hatao tendrogny ijy ba hihieke hoe: "Fahasoavana! Fahasoavana hômijane!"'8Avy talinahy ny jakan'i Yaveh, nanao hoe: 9"Nametraka ny fototr'itoy tragno toy ny tagnan'i Zerobabela ary hamita anijany ny tagnane. Dia ho fantatrao fa Yaveh tompon'ny rehetra no nagniraka anahy hôminao. 10Ija no nagnano tsinotsino ny andron'ny raha madinika? Hiravo io olo io sady hahita ny vato pilao an-tagnan'i Zerobabela egne. (Ny lahin-jiro fiton'io no mason'i Yaveh jay mihery anijao tontolo jao.)" 11Aviteo dia nagnotany an'enjely aho hoe: ''Ino io hajon'oliva rolahiteo jay mitsangagna an-kavia sy an-kavanan'ny fanôvan-jiro io?"12Nagnotany anajy indraika aho hoe: "Ino io sampan-kajon'oliva rolahiteo marivo an'io lavaka volamena rolahiteo jay misy diloilo volamena miaraka hataminajy eo io?" 13Aviteo dia hoy ijy taminahy hoe: "Tsy fantatrao ve hoe ino io?" Hoy aho hoe: "Tsiare, tompoko."14Noho jany dia hoy ijy hoe: "Io no jana-diloilo vôvao jay mitsangagna alohan'ny Tompon'ijao tontolo abiaby jao."
Chapter 5

1Dia nitody aho ka nampendrandra ny masoko, ka nahita, ito, horognan-taratasy magnembogna! 2Hoy ny anjely taminahy hoe: "Ino no hitanao?" Dia namaly aho hoe: "Horognan-taratasy magnembogna no hitako, rôpolo metatra ny halavany die folo metatra ny sakane?"3Dia hoy ijy taminahy hoe: "Itoy no hojogna jay mivôka maneragna anijao tontolo jao, fa ny mpangalatra abiaby dia ho fongorigna manomboka anijao jay mifototra amijay lajainy amin'ny andagnine, sady jay abiaby milaja fiaignana diso dia ho fongorigna jay miorigna amijay lajainy amin'ny ankilane, araka ny jakan-dreo. 4"Havôkako ijane__jany no fagnambaran'i Yaveh tompon'ny rehetra__ka dia hiditra an-dragnon'ny mpangalatra sy amin'ny tragnon'ijay magnano fahadisôna amin'egnarako jane. Hitoetra an-dragnony ao jany ary hanimba ny hajony sy ny vatone."5Dia nivôka ny anjely jay nivoria taminahy ary nijaka taminahy hoe: "Akariko ny masonao ka jerevo jay avy eo" Dia hoy aho hoe: "Ino igne?" 6Dia hoy ijy hoe: "Tanty misy efaha igny avy igne. Itoy no helo-dreo amin'ny tany manontolo." 7Dia nalaina tamin'ny tanty ny firaka fandrakofana ary nisy viavy tambanin'ijany jay nipetraka tao!8Dia nijaka ny anjely hoe; "Faharatsena toy!" Natsipiny tagnaty tante tao indraika ijy, sady natsipiny tamin'ny rakony ny firaka fandrakofana. 9Nampendrandra ny masoko aho ka nahita viavy rolahiteo magnantogna anahe, ary ny rivotra dia tamin'ny ela-dreo--fa nanagna elatra hôtran'ny elatry ny vano areo. Nampiakatra ny tanty tagnelagnelan'ny tany sy lagnitra areo.10Ka nijaka tamin'ny anjely jay nivoria tamianhy aho hoe: "Handan-dreo mandeha aja ny tate?" 11Dia hoy ijy taminahy hoe: "Hagnamboarana tempoly amin'ny tanin'i Sinara agne, ka laha vognona ny tempoly, dia hampipetrahiny agny amin'ny fototra vôomagna hônajy eo ny tante."
Chapter 6

1Dia nitodika aho sady nampendrandra ny masoko ka nahita kalesa efatra nivôka hatagnelagnelan'ny tendrombohitra rolahitao; ary io tenrombohitra rolahiteo io dia vita hatamin'ny varahigna. 2Ny kalesa vôlohany dia nanagna sôvaly mena, ny kalesa faharoa nanagna sôvaly menty, ny kalesa fahatelo nanagna sôvaly fotsy ary 3ny kalesa fahefatra dia nanagna sôvaly sada fotsy. 4Dia namaly aho die nijaka tamin'enjely nivoria taminahy hoe: Ino io, tompoko?"5Namaly nenjely ka nijaka taminahy hoe: "Io no rivotra efatry ny lagnitra jay nivôka tamin'ny toeranajay nitsanganan-dreo talohan'ny Tompon'ny tany abiaby teo. 6Jay raika miaraka amin'ny sôvaly menty dia mivôka mandeha amin'ny firenena avaratra; io sôvaly fotsy dia mivôka mandeha amin'ny firenena andrefana; die ny sôvaly sada fotsy dia mivôka mandeha amin'ny firenena antsimo."7Io sôvaly matanjaka io dia nivôka sady mitady henga sy hirenirenny amin'ny tany egne, ka hoy ny anjely hoe: "Mandihana mirenireny amin'ny tany egne!" ka die nandeha nirenireny erakin'ny tany abiaby areo. 8Dia nitaraigna taminahy ijy ka nivoria taminahy sady nagnano hoe: "Jirevo jay rehetra mivôka hômin'ny firenena avaratre; hampagnerignerigna ny fagnahiko mahakasika ny firenena avaratra areo."9Ary avy taminahy ny jakan'i Yaveh, manao hoe: 10"Mangalà fagnatitra amin'ny tany an-sesitane__hata-Helday, Tobia, ary Jedaia__sady mandihana amijany andro jany hiany ka alay an-dragnon'i Josia ao i janak'i Zefania, jay hata-Babylona jane. 11Dia alay ny volafotsy sy volamlena, manôva satro-boninahitra ka apitrahy amin'ny lohan'i Josoa janaka lahin'i Jozadaka, jay mpisorognabe jane.12Mivoriana aminajy ka lajay hoe: 'Jao no lajain'i Yaveh tompon'ny rehetra: Itoy lelahy toy, negnarany dia Rantsagna! Hitombo amin'ny misy anajy ijy sady hambôtra tempolin'i Yaveh! . 13Ijy no hambôtra ny tempolin'i Yaveh sady hanangagna ambony ny famirapiratan'ijan e; dia hipetraka sy hanapaka amin'ny seja fendrianany eo ijy. Ho mpisorogna amin'ny seja fiendrianany eo ijy sady hisy ny fahajavan-sain'gny fedanana aùin'ijy roy eo.14Hapetraka amin'ny tempolin'i Yaveh ny satro-boninahitra hagnomejam-boninahitra an'i Helema, Tobia, sy Jedaia sady ho fahatserovana ny hatsaram-pagnahin'ny janaka lahin'i Zefania. 15Ary jay lavitra dia ho avy sady hambôtra ny tempolin'i Yaveh, ka ho fantatrao fa Yaveh tompon'ny rehetra no nagniraka anahy hôminareo; fa hitranga jany laha tena miteno ny feon'i Yaveh Andremanitrareo anareo!"'
Chapter 7

1Tamin'i Dariosa mpanjaka no mpanapaka nandritry ny efa-taogna, tamin'ny andro fahefatra najakan'i Kisleva (jay volagna fahasivy), dia avy tamin'i Zakaria ny jakan'i Yaveh. 2Nandefa an'i Serezera sy Regeùa-meleka sy ny olony ny vahôkan'i Betela ba hengavy alohan'ny tavan'i Yaveh. 3Nivoria tamin'ny mpisorogna jay tan-dragnon'i Yaveh tompon'ny rehetra sy tamin'ny mpaminagny areo; hoy areo hoe: "Tokony hisaogna amin'ny alalan'ny fifadien-kanina ve aho amin'ny volagna fahadimy, hôtranijay efa natako taogna rahabe igne?"4Dia avy taminahy ny jakan'i Yaveh tompon'ny rehetra, manao hoe: 5"Mijaka amin'ny mponin'gny tany abiaby sy amin'ny mpisorogna ka atôvy hoe: 'Laha nandremby hanina safy nisaogna tamin'ny volagna fahadimy sy fahafito anareo nandritra anijay fito taogna jay, sa ve nifady hanina hôn'Ahy marina anareo? 6Laha nihinagna sy ninogna anareo, sa ve tsy ninogna sady nihinagna hôn'ny tegnanareo anareo? 7Sa ve tsy io jaka io hiany no nambaran'i Yaveh tamin'ny vavan'ijay mpaminagny taloha, laha bola nonigna ta-Jerosalema sy jay tanàna magnodidigna tamin'ny fagnambaniena ka nipetraka ta-Negeva, sy ny lemaka amoron-tsiraka andrefana agny anareo?"'8Avy tamin'ny Zakaria ny jakan'i Yaveh, nanao hoe: 9"Jao no lajain'i Yavbeh tompon'ny rehetra: "Mitsarà amin'ny fitsarana marina, fagnekena matoky, ary famindram-po. Ôka ny olo tsirairay hanao anijany amin'ny rahalahine. 10Nemin'ny mpitondra-tegna sy kamboty, ny vahiny, sy olo mahantra___aja mampahory an-dreo, ary ôka tsy hisy aminareo hitetika hagnisy ratsy ny hafa am-ponareo ao.'11Nefa nandà ny hite,o areo sady nagnamafy ny soro-dreo. Nagnidy ny sofigny areo ba tsy haharegne. 12Nagnamafy ny fony hôtran'ny vato areo ba tsy haharegny ny lalàna na ny jakan'i Yaveh tompon'ny rehetra. Nandefa io hafatra io hôn'ny vahôka tamin'ny alalan'ny Fagnahiny tamin'ny fotôgna taloha, tamin'ny alaln'ny vavan'ny mpaminagny Ijy. Nefa n,andà ny hiteno ny vahôke, ka vignitra mafy tamin-dreo Yaveh tompon'ny rehetra.13Ary laha nangaika Ijy, dia tsy niteno areo. Hôtran'ijany hiany,'' hoy Yaveh tompon'ny rehetra, "no hangaihan-dreo mahare Anahe, fa tsy hiteno Aho. 14Fa haboeliko amin'ny tadio amin'ny firenena abiaby agny jay tsy bola hitany areo, sady ho lao magnaraka an-dreo ny tane. Fa tsisy olo handalo amin'ny tany na hipody amijany ao satria efa namadika ny tanin-dreo mahafinaritra ho tany ngajagna ny vahôka."
Chapter 8

1Avy taminahy ny jakan'i Yaveh tompon'ny rehetra, magnano hoe: 2"Jao no lajain'i Yaveh tompon'ny rehehtra: Tia maré an'i Ziona amin'ny jotom-po be Aho sady saropiaro nohon'emin'ny havignirana be Aho! 3Jao no lajain'i Yaveh tompon'ny rehetra: hipody a Ziona Aho ary hipetraka agnivon'i Jerosalema ao, fefa nangihana hoe ny Tanànan'ny Fahamarinana i Jerosalema ary ny tendrombohitr'i Yaveh tompon'ny rehetraa dia hangihana hoe Tendrombohitra Masina!4Jao no lajain'i Yaveh tompon'ny rehetra: Lelahy sy viavy antitra koa no hôndalam-ben'i Jerosalema, sady ny olo tsirairay hambely tehigna hôntagnany egny satria efa niha-antitra ijy. 5Ho feno tovolahy sy tovovave milalao amin'ny lalam-ben'ny tanàna egne.6Jao no lajain'i Yaveh tompon'ny rehetra: Amijany andro jany laha misy raha tsy hay atao amason'ny vahôka sisa mivela eo, dia tokony tsy ho hay hatao amasoko eo koa ve jane?__jany no fagnambaran'i Yaveh. 7Jao no lajain'i Yaveh tompon'ny rehetra: Ito, eo andalam-pagnavotana ny oloko amin'ny tany fiboahan'ny masoandro Aho ary amin'ny tany fikôahan'ny masoandro! 8Fa hitondra an-dreo hipody Aho, ary honigna agnivon'i Jerosalema ao areo, ba ho vahôkako indraika areo, sady hôn'dRemani-dreo amin'ny marina semin'ny fahamarinana Aho!9Jao no lajain'i Yaveh tompon'ny rehetra: Anao jay manohy miteno ny jaka mitovy jay nivoka hatamin'ny vavan'ny mpaminagny laha napetaka ny fototry ny tragnoko__itoy tragno toy, Yaveh tompon'ny rehetra: Atanjaho ny tagnanao ba ho vôtsangagna ny tempoly. 10Fa talohan'ijane andro jany dia tsisy vokatra vôvorin'olo, fa tsisy tombony na hôn'olo na hôn'ny biby, sady tsy nisy fedanana hônijay olo mivôka na miditra hatamin'ny fahavalo. Efa namela ny olo tsirairay hanohitra nekamany Aho.11Fa amijao jany dia tsy hôtran'ny tamin'ny andron'ny taloha, homba jay tsinanin'itoy vahôka toy Aho__jany no fagnambaran'i Yaveh tompon'ny rehtra. 12Fa hafafy ny vôn'ny fedanana; dia hagnome ny vôny ny hajo vôloboka ary ny tany hagnome ny vokam-pambolene; hagnome ny andony ny lagnitra, fa hampandoaviko anijany raha abiaby jany jay sisa amitoy vahôka toy.13Ohatra hôn'i Firenen'ny ojogna hafa anareo, ô taranak'i Joda sy taranak'Israely. Ka die hamonjy anareo Aho sady fitahena anareo. Aja matahotra; ôka hatanjaka ny tagnanareo! 14Fa jao no lajain'i Yaveh tompon'ny rehetra: hôtran'ny nagnomagnako hanao ratsy aminareo laha nahavignitra Anahy ny rajambenareo__hoy Yaveh tompon'i rehetra__sady tsy nilefitra Aho, 15no hagnomagnako hanao raha tsara indraika hôn'i Jerosalema sy taranak'i Joda hiany koa amijany andro jane! Aja matahotra!16Ito no raha jay tsy mentsy hatanareo: Milajà ny marina, ny olo tsiraiaray amin'ekamane. Mitsarà amin'ny marina, rarine, ka fedanana amin'ny vavahadinareo eo. 17Aja manao fikasan-dratsy am-ponareo ao amin'ny hafa, sady aja mitia fiagnan-diso--satria mankahala io raha io Aho!--jany no fagnambaran'i Yaveh."18Dia avy tamianhy ny jakan'i Yaveh tompon'ny rehetra, manao hoe: 19"Jao no lajain'i Yaveh tompon'ny rehetra: Ny fifadien-kanina amin'ny volkagna fahefatra, volagna fahadimy, volagna fahafito, ary ny volagna fahavalo dia hanjary fotôgna mahafinaritra hôn'ny taranak'i Joda! Noho jany tiavo ny fahamarinana sy fedanana!20Jao no lajain'i Yaveh tompon'ny rehetra: Ho avy indraika ny vahôka, na dia jay monigna amin'ny tanàna rahabe samihafa aja. 21Handeha hômin'ny tanàna hafa ny mponin'gny tanàna raika ka ahanao hoe: "Ôka handeha malaky alohan'i Yaveh eo atsena ka handremby an'i Yaveh tompon'ny rehetra! Handeha hiany koa atsena. 22Vahôka rahabe sy firenena mahery rahabe ho avy handremby an'i Yaveh tompon'ny rehetra a Jerosalema sady hengavy ny fankasitrahan'i Yaveh!23Jao no lajain'i Yaveh tompon'ny rehetra: Amijany andro jany dia lelahy folo hatamin'ny firenena abiaby no hitagna ny sisin'akanjonao sady hijaka hoe: 'Ôka hiaraka aminao ahay, fefa regninay fa momba anao Andremanitra!'"
Chapter 9

1Jao no fagnambaran'ny jakan'i Yaveh mahakasika ny tanin'i Hadraka sy Damaskosy. Fa ny mason'i Yaveh dia amin'ny olombelogna abiaby, sady koa amin'ny fokon'Israely abiaby. 2Itoy fagnambarana toy hiany koa dia mahakasika an'i Hamata, jay mifanolotra amin'i Tyro sy Sidona jane, na dia tena hendry aja areo.3Efa nagnorigna ferovana mafy h$on'ny tegnany i Yaveh sady namore volafotsy hôtran'ny vovoka sy volamena vôdio hôtran'ny fotaka an-dalagna egne. 4Ito! hagnafôgna anajy Andremanitra sady hanimba ny tanjagny an-dranomasina, ba ho levon'gny afo ijy.5Hahita i Askelona ka hatahotre! Hangorohoro be hiany koa i Gaza! Ekroma, ho fôgna ny fagnantenane! Ho faty a Gaza ny mpanjaka, ary i Askelona dia tsy hisy mponigna koa! 6Hanao ny tragnony a Asdoda ao ny vahny, sady hagnafôgna ny fireharehan'ny Filistina Aho. 7Fa hangala ny ràn-dreo hatamin'ny vavany eo Aho ary ny fahavetavetan-dreo agnelagnelan'ny nifiny eo. Ary dia hanjary sisa hôn'Endremanitsena hôtran'ny foko a Joda agny areo, ary Ekroma dia hanjary hôtran'ny Jeboista.8Hidoby magnodidigna ny taniko Aho ba hanohitra ny miaramilan'ny fahavalo ka tsy hisy na raika aja afaka mandroso na mipody, fa tsy hisy mpampahory handalo amijany koa eo. Fa amijao dia hiambigna ny taniko amin'ny masoko Aho!9Mihobia amin'ny fifalem-be, a janaka vavin'i Wiona! Mihobia am-pifalena, a janaka vavin'i Jerosalema! Ito! Avy amim-pahamarinana aminao ny mpanjaka ka magnavotra anao. Manetry tegna ijy ka mideba amin'ny boriky eo, ambonin'ny jana-boriky eo. 10Ary hifoagnako ny kalesa hata-Efraima sy sôvaly hata-Jerosalema, sady ny tsipìka dia ho fôgna amin'ny ady; fa hilaja fedanana amin'ny firenena ijy, ary ny fanapahany dia ho avy amin'ny ranomasina ka hatramin'ny ranomasina, sady hatramin'ny Ony ka hatramin'ny faravajan-tane!11Laha neminareo, nohon'ny ràn'ny fagnekeko aminareo ao, dia hafahiko hatan-davaka tsisy rano ao ny gadranareo. 12Mipodiana amin'ny ferovana mafy agne, a gadran'ny fagnantenana! Eka na dia niany aja dia magnambara Aho fa hanohitra avo roy heny aminareo, 13fefa nagnenjagna an'i Joda ho tsipìkako Aho. Efa namahagna ny jana-tsipìkako tamin'ny Efraima Aho. Efa nagnatitra ny janakareo lahy Aho, ô Ziona, hanohitra ny janakareo lahy, ô Grisia, sady efa nanao anareo hôtran'ny mesan'ny mpiady Aho, a Ziona!14Hiseho amin-dreo i Yaveh, sady hanifitra hôtran'ny tselatra ,y tsipìkane! Fa Yaveh Tompoko hitsioka antsiva sady handroso hatamin'ny tafio-drivotra hata-Temana. 15Yaveh tompon'ny rehetra no hiaro an-dreo, sady handevogna an-dreo sy handresy ny vaton'atsamotadine io. Die hinogna areo ka hidradradradra hôtran'ny olo mamon'ny divay, sady ho feno divay hôtran'ny lovia areo, hôtran'ny joron'ny alitara.16Ka amijany andro ja,y dia hamonjy an-dreo i Yaveh Andremanine; dia ho hôtran'ny ondrin'ny vahôkany areo, fa areo no ho vakagnin'ny satro-boninahitra, hiakatra eo amin'ny tanine. 17Fa hôtraniaja ny hatsarane sy hatsaran-tarehin-dreo! Haniry amin'ny vary jay tovolahy die ny virijiny amin'ny vôloboka mamy eo!
Chapter 10

1Mangataha erika amin'ny Yaveh amin'ny vanim-potôgnan'ny oran-dohataogna__sady magnome oragna mivatravatra hôn'ny olon-drehetra sy raha metso an-saha egne. 2Fa jay sampy an-tokatragno ao dia miteligna vande; ny mpisikidy manao sary an-saigna vande; mijaka nofy fitaka areo sady magnome fampionognana fehijay, ka mirenireny hôtran'ny ondry sady mijaly nohon'ny tsy fisien'ny mpiambigna an-dreo.3Ny havignirako dia mirehitra amin'ny mpiandry ondry; ny osilahy__mpitarika__no hifohajiko. Yaveh tompon'ny rehetra hiany koa dia hagnatrika jay ondrine, dia ny taranak'i Joda, sady hanao an-dreo hôtran'ny sôvaly fandany amin'ny ady!4Avy amin-dreo no hievien'ny vato fehijoro; hatamin-dreo no hievien'ny fihantognan-draha ny lay; hatamin-dreo no hieven'ny mpitarika abiaby hiarake. 5Hanjary hôtran'ny mpiady jay mandidia ny fahavalony amin'ny fotaky ny lalagna amin'ny ady eo areo; hiady areo, satria Yaveh no momba an-dreo, ary hahamegnatra hônijay mideba sôvalin'ady areo.6Hampahery ny taranak'i Joda Aho sady hamonjy ny taranak'i Josefa; fa hagnampody an-dreo amin'ny laoniny Aho ka hamindra fo amin-dreo. Ho hôtran'ny hoe tsy nilaviko areo, satria Aho no Yaveh Andremani-dreo, sady hamaly an-dreo Aho. 7Dia ho hôtran'ny mpiady i Efraima, sady hifaly hôtran'ny divay ny fon-dreo; hahita anijany ny janagny ka hifale. Hifaly Aminahy ny fon-dreo!8Hifioka hôn-dreo Aho ary hamory an-dreo, satria hamonjy an-dreo Aho, ary ho lasa lehibe hôtran'ny taloha teo areo! 9Nagnamafy an-dreo tamin'ny olo tegny Aho, nefa hahatsiaro Anahy amin'ny firenena lavitra an-dreo agne, ka ho velogna sy hipody areo sy ny janagne. 10Fa hampody an-dreo hatamin'ny tany Egypta agny Aho sady hamory an-dreo hat-Asyria agne. Hitondra an-dreo amin'ny tanin'ny Gileada sy Libanona agny Aho mandra-paha tsy hisy efitragno hôn-dreo koa.11Hamakivaky ny ranomasim-pahien-dreo Aho; hamely ny onjanijany ranomasina jany Aho sady hagnamaigna ny lalin'i Neily abiaby. Haidigna ny voninahitr'i Asyria, qry ny tehim-panjakan'i Egypta hiala amin'ny Egyptiana. 12Hagnamafy origna an-dreo aminahy Aho, sady handeha amin'ny agnarako areo__jany no fagnambaran'i Yaveh.
Chapter 11

1Vohay ny varangaragnao, a Lybanona, ba hendevognan'ny afo sederanao! 2Misaognà, a hajo kypreso, fefa lavo ny hajo sedera! Jay ambo diefa nifongorina! Misaognà, anareo a hajo terembitan'gni Basana, fefa ripaka ny mikitroka. 3Midradradradra ny mpiambigna ondry, fefa rava ny voninahi-dreo! Mierogna ny feon'ny janaky ny liogna, fefa rava ny reharehan'ny Ony Jordana!4Fa jao no lajain'i Yaveh Andremanitro: ''Hôtran'ny mpiambigna ondry, miambigna ny ondry jay hivonina! 5(mamono an-dreo jay mividy anajy nefa tsy vôsajy, ary jay mivarotra an-dreo manao hoe: 'Isaorana anie Yaveh! Efa lasa mpanan-karena aho!' fa jay mpiambigna miasa hôn'ny tompon'ondry dia tsy niantra an-dreo.) 6Fa tsy hiantra ny mponin'gny tany koa Aho!__jany no fagnambaran'i Yaveh. Ito! Aho mihintsy no hagnampody ny olo abiaby an-tagnan'ny nekamany sy an-tagnan'ny mpanjakany eo, sady handrava ny tany areo ka tsy hisy na raika amin-dreo aja hafahiko an-tagnan-dreo eo."7Ka dia nanjary mpiandry ondry vôlahatra hivonina Aho. Hônijay nitondra ny ondry. Nandray tehigna rolahiteo Aho; ny tehigna raika nangihako hoe: "Fahasoavana" fa ny raika koja nangihako hoe: "Fikambagnana". Tamijany fomba jany no nembenako ny ondry. 8Mpiambigna ondry telo no nivoniko tagnatin'ny ray volagna, satria tsy naharitra tamin-dreo aho, sady nankahala rahateo areo. 9Dia hoy aho tamin'ny tompon'ny ondry hoe: ''Tsy hiasa ho mpiambigna ny ondrinao koa aho. Jay ondry maty__dia aleo ho maty, jay ondry ringagna__dia aleo ho ringagna. Aleo ny ondry sisa mivela samy hihinagna jay nofon'ekamane."10Dia nalaiko ny tehiko "Fahasoavana'' ka nisimbaiko jany ba hagnafoagnako ny fagnekena jay efa natako tamin'ny fohoho abiaby. 11Tamijany andro jany dia rava ny fagnekena, ka hônijay nitondra ondry sy nijery Anahy dia nahafantatra fa nijaka Yaveh. 12Dia hoy aho tamin-dreo hoe: "Laha ohatra ka tsara aminareo jane, dia aloavy ny karamako. Fa laha tsy jany, dia ôka hiany." ka dia nilanjain-dreo ny karamako--sekely folafotsy telopolo.13Ary hoy Yaveh taminahy hoe: "Apitrahy amin'ny fitoeran-drakitra ao ny volafotsy, na sanda jay farany tsara nitombagnan-dreo anao!" Ka dia nalaiko ny sekely volafotsy telopolo ka napetrako tamin'ny fitoeran-drakitro tan-dragnon'i Yaveh tao. 14Aviteo dia nisimbaiko ny tehiko faharoa, "Fikambagnana,'' ba hanimbana ny firahalahen'i Joda sy Israely.15Hoy Yaveh taminahy hoe: "Alay hôn'ny tegnanao indraika ny fitôvan'ny mpiambigna ondry adala, 16fitoy, hamela mpiambigna ondry amin'ny tany eo Aho. Tsy hiraharaha ny ondry maty ijy. Tsy handremby ny ondry very ijy, na koa hagnafaka jay mandringa. Tsy hamahagna ny ondry jay salama ijy, fa hihinagna ny nofon'ny ondry matavy sady hamiravira hongone.17Loja hôn'ny mpiambigna ondry tsy tsara jay mahafoy ny ondry! Hamely sandriny sy masony an-kavanana anie ny mesa! Halajo anie ny sandriny sady ho jamba masony ankavanana!"
Chapter 12

1Itoy dia fagnambarana ny jakan'i Yaveh mahakasika an'Israely__fagnambaran'i Yaveh, jay nanandratra ny habakabaka sy namela ny fototry ny tane, jay mamolavola ny fagnahin'olombelogna agnatin'ny olo hoe: 2"Ito, eo an-dalam-panôvana an'i Jerosalema agnaty kapôka Aho hahatonga ny vahôka abiaby magnodidigna anajy hivembegna. Dia ho hôtranijay hiany koa ny an'i Joda mandritry ny fahirano an'i Jerosalema. 3Amijany andro jany, hatako ho vato mavesatra hôn'ny olo abiaby i Jerosalema. Jay magnandragna ny hagnenga anijay vato jay dia hamôratra be ny tegnane, ka hitambatra hanohitra anijany tanàna jany ny firenen'ny tany abiaby.4Amijany andro jany__jany no fagnambaran'i Yaveh__hamely ny sôvaly tsirairay amin'ny horohoro Aho sady ny mpideba anajy amin'ny fahaverejan-saigna. Hijery am-pakasitrahana ny taranak'i Joda Aho sady hamely ny sôvalin'ny tafika amin'ny fahajambana. 5Aviteo ny mpitarik'i Joda hijaka anakampo hoe: 'Jay mponin'gni Jerosalema no tanjatsena noho i Yaveh tompon'ny rehetra, Andremani-dreo.'6Amijany andro jany dia hatako hôtran'ny fatagna mirehitra amin'ny hajo egny sady hôtran'ny fanilo amin'ny amboara egny ny mpitaraka ny Joda, fa areo no handevogna ny firenena abiaby magnodidigna ankavanany senkaviany eo. Hitoetra amin'ny toerany eo indraikia i Jerosalema."7Hamonjy ny lain'i Joda i Yaveh, ba tsy hôngeja be noho ny sisa mivela amin'i Joda ny voninahitry ny taranak'i Davida sy voninahitrin'ijay monigna a Jerosalema ao. 8Amijany andro jany dia ho mpiaro ny mponin'gni Jerosalema i Yaveh, ary amijany andro jany hônijay ketraka amin-dreo dia ho hôtran'i Davida, sady ny taranak'i Davida dia ho hôtran'Andremanitra, hôtran'enjelin'i Yaveh alohan-dreo eo. 9"Amijany andro jany dia hanomboka handringagna ny firenena abiaby jay avy hanohitra an'i Jerosalema Aho.10Nefa handraraka ny fagnahin'ny fangoraham-po sy fitaraignana amin'ny taranak'i Davida sy ny mponin'gni Jerosalema Aho, ba hitodihan-dreo Aminahe, Iray jay nilefognin-dreo. Hisaogna nohon'eminahe, hôtran'ny olo misaogna nohonemin'ny janagny lahy tokagna areo; hisaogna hôn'Ajy hôtran'ijay misaogna nohon'ny fahafatesan'ny vôlohan-jaja areo. 11Amijany andro jany ny fisaognana a Jerosalema ao dia ho hôtran'ny fisaognana ta-Hadadrimona amin'ny lemak'i Megido eo.12Hisaogna ny tane, ny fianakaviem-be tsirairay hitokagna amin'ny fenakavem-be hafa. Ny fenakavemben'ny taranak'i Davida hitokagna sady jay vadun-dreo hitokagna amin'ny lelahy. 13Ny fenakavem-ben'ny taranak'i Natana hitokagna sady ny vadin-dreo hitokagna amin'ny lelahy. Ny fenakavemben'ny taranak'i Levy hitokagna sady ny vadin-dreo hitokagna amin'ny lelahy. Ny fenakavemben'ny Simeita hitogna sady ny vadin-dreo hitokagna amin'ny lelahy. 14Ny fenakavembe tsirairay amin'ny fenakavembe tafa-bela__ny fenakavena tsirairay dia samy hitsitokatokagna sy vadin-dreo hitokagna amin'ny lelahy."
Chapter 13

1"Amijany andro jany dia hisy loharano hivoha hôn'ny ankohonan'i Davida sy ny mponin'gni Jerosalema, nohon'ny fahotan-dreo sy tsy fahadiovan-dreo. 2Amijany andro jany__jany no fagnambaran'i Yaveh tompon'ny rehetra__no fagnafoagnako negnaran'ny sampy amin'ny tany tsy ho tsarôna koa areo. Hampivôka ny mpaminagny tsy marina sy fagnahy maloton-dreo amin'ny tany hiany koa Aho.3Laha misy olo manohy maminagny, dia hijaka aminajy iabany sy iendriny jay niteraka anajy hoe: 'Tsy ho velogna anao, satria mijaka vandy amin'ny agnaran'i Yaveh!' Aviteo ny ray sy reny jay niteraka anajy handefogna anajy laha maminagny ijy.4Amijany andro jany ny mpaminagny tsirairay dia ho megnatra amin'ny fahitany laha eo am-paminaniena ijy. Jay mpaminagny eo dia tsy hanao lamba voloina, ba tsy hamitahana ny olo koa. 5Fa ny tsirairay hijaka hoe: 'Tsy mpaminagny aho! Lelahy miasa tany aho, satria ny tany no nanjary asako laha bola tovolahy aho!' 6Fa hisy olo raika hijaka amianjy hoe: 'Ino io ratra agnelagnelan'ny sandrinao eo io?' sady hamaly ijy hoe: 'Vôratra tamijay amin'ny tragnon'ekamako tao aho."'7''Ô mesa! Akaro amin'ny mpiambigna ondriko, ny lelahy jay mitsangagna marivo anahy eto anao__jany no fagnambaran'i Yaveh tompon'ny rehetra. Vilejo ny mpiambigna ondry, dia hiparitaka ny ondry! Fa hamerigna ny tagnako hanohitra ny madinika Aho.8Sady manerana ny tany abiaby__jany no fagnambaran'i Yaveh__dia hisy roy am-pahatelonijany hifoagnana! Ho levogna io olo io; raika am-pahatelony hiany no hiegnina agne. 9Handako amin'ny afo jay ampahatelony jay sady hidioviko hôtran'ny mandio folafotsy areo; hijahako hôtran'ny volamena vôjaha areo. Hangaika negnarako areo, ka hamaly an-dreo Aho sady hijaka hoe: 'Itoy no oloko!' sady hijaka areo hoe: 'Yaveh no Andremanitro!""
Chapter 14

1Ito! Ho avy ny andron'i Yaveh laha hijaraina agnivon'ny gadranareo eo. 2Fa havoriko hanohitra an'i Jerosalema amin'ny ady ny firenena abiaby ka higadra ny tanàna. Io tragno dia ho vôgadra sady ny viavy ho vôbarofo. Ny asasaky ny tanàna dia ho vôgadra, fa ny sisa mivela amin'ny olo dia tsy halaina amin'ny tanàna eo.3Fa Yaveh dia hivôka sady hiady amin'ny firenena hôtra Anajy laha miady amin'ny andron'ny ady. 4Amijany andro jany ny hongony dia hitsangagna ambonin'ny tendrombohitr'i Oliva eo, jay marivo an'i Jerosalema antsignanana agne. Ny tendrombohitr'i Oliva dia hivaky roe sady hisarahin'ny lohasaha lehibe sady nesasaky ny tendrombohitra dia hipody alohan'ny avaratra sady nesasagny alohan'entsimo.5Aviteo anao hilefa hidigna ny lohasaha agnelagnelan'ny tendrombohitr'i Yaveh eo, fa ny lohasaha agnelagnelan'ny tendrombohitra eo dia hipaka hata Azela. Hilefa hôtran'ny nilifasanao tamin'ny horohoron-tany tamin'ny andron'i Ozia, mpanjakan'i Joda anao. Dia ho avy i Yaveh Andremanitro sady hiaraka Aminajy aby ny olomasina abiaby.6Amijany andro jany dia tsy hisy hajavana, fa tsy hisy na hatsieka na fagnala. 7Amijany andro jany, andro jay Yaveh rerika mandy no mahafantatra, dia tsy hisy andro na aligna koa, fa ny hariva dia hanjary fotôgnan'ny hajavana. 8Amijany andro jany ny rano velogna dia hikoriegna hivôka an'i Jerosalema. Ny asasak'io dia hikoriegna amin'ny ranomasina antsignanana die ny asasagny amin'ny ranomasina andrefana, amin'ny fahavaratra semin'ny ririnina.9Ho mpanjaka amin'ny tany abiaby i Yaveh. Amijany andro jany dia hisy Yaveh, jay Andremanitra tokagna, sady negnarany rerika mandy. 10Ny tany abiaby dia hôtran'i Araba, manomboka a Geba ka hata Rimona antsimon'i Jerosalema. Vômaika hakarina i Jerosalema sady hipetraka amin'ny toerany manokagna, hatamin'ny vavahadin'i Benjamina ka hatamin'ny toerana jay nisy vavahady vôlohane, hatamin'ny vavahady an-jorone, ary hatamin'ny Tilikambon'i Hananela ka hatramin'ny famiajam-bôloboky ny mpanjaka. 11Ny vahôka dia hipetraka a Jerosalema agny sady tsy hisy faharavana tanteraka hatamin'Andremanitra hanohitra an-dreo koa. Hiaigna tsy amin'ahiahy i Jerosalema.12Jao no ho loja jay hamilejan'i Yaveh an'ny vahôka abiaby niady nanohitra an'i Jerosalema: ny nofon-dreo dia ho lo na dia mitsangagna amin'ny hongony aja areo. Ny mason-dreo dia ho lo ao amin'ny faladian-dreo sady ny lelan-dreo ho lo am-bavan-dreo ao. 13Amijany andro jany ny tahotra be hatamin'i Yaveh dia ho avy amin-dreo. Ny tsirairay dia hitagna ny tagnan'ny hafa, sady tagnan'ny raika dia hitsangagna hamely ny tagnan'ny raika hafa.14Joda hiany koa dia hiady hanohitra an'i Jerosalema. Hamory ny haren'ny firenena magnodidigna abiaby areo___volamena, volafotsy, ary fitafena tsara rahabe. 15Ny loja hiany koa dia hômin'ny sôvaly sy ampondra, ny rameva, boriky, sy ny biby abiaby amin'ny toby ao io hiany koa dia hijaly amijany loja jany hiany koa.16Sady jao no hitranga, jay rehetra mibela amin'ny firenena jay avy manohitra an'i Jerosalema ao dia hiakatra isan-taogna koja ba hidera ny mpanjaka, dia i Yaveh tompon'ny rehetra, sady hitandrigna ny firavoravôn'ny felofana. 17Laha tsy mandeha miakatra hô Jerosalema ba hidera ny mpanjaka, dia i Yaveh tompon'ny rehetra, ny olo hatamin'ny firenena daholon'ny tany, dia tsy hitondra erika amin-dreo i Yaveh. 18Laha tsy miakatra ny firenen'i Egypta, dia tsy hahajo erika areo. Hisy areti-mandringagna hatamin'i Yaveh jay hamely ny firenena jay tsy hiakatra ba hitàgna ny firavoravôn'ny felofana.19Jany no ho famejana hôn'i Egypta sady famejana hôn'ny firenena abiaby jay tsy miakatra ba hitàgna ny feravoravôn'ny felofana.20Fa amijany andro jany, ny lakolosin'ny sôvaly dia hijaka hoe: "Atikany hôn'i Yaveh," aré ny koveta an-dragnon'i Yaveh ao dia ho hôtran'ny lovia boribory alohan'ny alitara eo. 21Fa ny vilagny tanimanga abiaby a Jerosalema sy Joda ao dia hatokagna hôn'i Yaveh tompon'ny rehetra sady jay rehetra mitondra sorogna dia hihinagna amin'io sady hampandevy agnatin'io ao. Amijany andro jany ny mpivarotra dia tsy hôn-dragnon'i Yaveh tompon'ny rehetra koa.

Malachi

Chapter 1

1Ny filajana ny tegnan'i Yaveh tamin'Israely tamin'elalan'ny tagnan'i Malakia. 2"Efa nitia anareo Aho," ho Yaveh. Fany hoy anareo hoe: "Ahôna kay nitiavanao anay?" "hoy nijakain'i Yaveh. "Jakoba no efa tieko, 3fa Esao efa nankahalaiko. Ny tendrombohine dia efa natako lao, sady efa natako fipitrahana hôn'emboa-dia hatagnefitre ny lovane.4Raha mijaka i Edoma hoe: "Nolovaina ahay, Anefa hamerigna hanangagna ny rava ahay, " dia nijaka i Yaveh Tompon'ny rehetra hoe: "Mety hanangagna areo fany hi-ravaiko indraike. Ny hafa dia hangaika an-dreo hoe: "Tananan'ny faharatsena" sady hoe: "Jay vahôka jay nihojognon'i Yaveh mandrakijay". 5Hahita anijany ny masonareo, sady hijaka anareo hoe: 'Yaveh dia lehibe mihôtran'ny faritanin'Israely".6Hotran'ny janaka lahy magnome voninahitra ny tompone. Laha ray Aho, aja ny voninahitro? Raha rompt aho, aja ny fanondrôna fagnajana an'Ahe?" hoy Yaveh Tompon'ny rehetra tamin'ny mpisorogna, jay magnano tsinotsino ny agnarako. "Fany hoy anareo hoe: 'Hôtran'iaja no hanôvanay tsinotsino ny agnaranao?" 7Tamin'ny fanolorana mofo vôloto tamin'ny alitarako. Fany hoy anareo hoe: 'Aôna no nandotônay Anao?' Tamin'ny filajana fa tsisy dikany ny latabatr'i Yaveh.8Laha manolotra biby jamba hatao sorogna anareo, sa tsy ratsy ve ijane? Laha manolotra ny kilema sy marary anareo, sa tsy ratsy ve ijane?" Asehoy agny amin'ny governoranareo ijane! Handray anareo ve ijy na hampiakatra ny tavanareo?" Hoy Yaveh Tompon'ny rehetra. 9Amijao anareo dia bola magnotany ny endrik'Andriamanitre, ba hamindrany fo atsena. Fa Yaveh Tompon'ny rehetra nilaja fa amin'ny fagnatitra hôtran'ijany egny an-atagnanareo, hampitraka ny tarehinareo moa ijy ve?10Laha ba nisy raika taminareo mako nagnakatogna ny vavahadin'ny tempoly, ba tsy ho zava-pôgna ny andrehetanareo afo amin'ny alitarako! Tsy mankasitraka anareo Aho," hoy Yaveh Tompon'ny rehetra: "sady tsy handray fagnatitra avy amin'ny tagnanareo Aho. 11Fa ny agnarako dia ho angeja amin'ny firenena sady isakin'ny toerana rehetra manomboka amin'ny fiposahan'ny masoandro mandra-piletigny sady ditin-kajo magnitra sy fagnatitra Madio no hatolotra dia hatolotra amin'ny agnarako. Fa ny agnarako dia lehibe eo amin'ireo firenena." Hoy Yaveh Tompon'ny rehetra. 12"Fa maniratsira ijany anareo laha Milaja fa maloto ny latabatry ny Tompo, ary ny vokane, ny sakafone, dia hitsonitsoniavina.13Hoy koa anareo hoe: 'Mahakamo koa ijao, 'dia nierogna tamijany anareo, "Hoy i Yaveh Tompon'ny rehetra. "Nitondra ijay nalaina tamin'ny bibi-dia anareo na kilemaina na marare; sady nandanareo ho fagnatitrareo ijane. Tokony handray anijany hatan-tagnanareo ve aho?" hoy i Yaveh. 14"Ôka hihojognona ny mpamitaka ijay managna ondry lahy amin'ny ondriny ary mivoady hagnome an'Ahy anijane, art bola magnome sorogna ijay misy kilema an'Ahe, Tompo! Fa aho dia mpanjaka lehibe," hoy Yaveh Tompon'ny rehetra, "ary ny agnarako dia homem-boninahitra amin'ireo firenena.
Chapter 2

1Ary anareo mpisorogna, hônareo itoy didy itoy.2 Laha tsy hiteno anareo, ary laha tsy hametraka anijany am-ponareo va hagnomejana voninahitra ny agnarako anareo, "hoy Yaveh Tompon'ny rehetra, " dia handefa ojogna aminareo Aho, ary hagnojogna ny fahasoavanareo Aho. Eka marina, efa nagnojogna an-dreo Aho, satria tsy natanareo tam-ponareo ny didiko3Itoy, hijaka mahare ny taranakareo Aho, ary hagnaparitaka jejika egny amin'ny tavanareo Aho, jejika hatamin'ny firavoravônareo, art hangala anareo hijaka amin'ijany ijy. 4Dia ho fantatrareo fa efa nandefa an'io didy io aminareo Aho, ary ny fifagnekeko dia hitohy amin-dreo Levi," hoy Yaveh Tompon'ny rehetra.5Ny fifagnekeko taminajy dia fiagnana sy fiadagnana, ary Nameko an-dreo; namekotahotra ijy, ary natahotra an'Ahy ijy, ary nijoro tamin'ny tahotry ny agnarako ijy. 6Fampenarana marina no tam-bavane, art tsy nisy diso tamin'ny molony. Niaraka tamim-piadagnana sy tamim-pahamarignana taminahy ijy ary nemboho tamin'ny fomba rahabe tamin'ny ota. 7Fa ny molotry ny mpisorogna dia tokony hanam-pahalalana ary ny vahôka dia tokony handremby fampenarana hatam-bavany, satria mpitondra hafatr'i Yaveh Tompon'ny rehetra ijy.8Fa anareo dia niala Lalana marina. Nahatonga ny rehetra ho tafantohigna amin'ny lalàna anareo. Nandika ny fanekem-pihavanan'i Levy anareo," hoy Yaveh Tompon'ny rehetra . 9"Nohon'ijany Iaho mandy koa, dia efa nagnano tsinotsino sy ratsy nitandrigna ny lalako anareo, nefa koja naneho fagnavakavahana tamin'ny fampenarana."10Tsy raika mandy ve netsena aby? Tsy Andiamanitra raika ve nambôtra atsena? Nahôna atsena olo kirai-draike mandy no Kely finôna amin'ny rahalahiny, maniratsira ny fagneken-dreo rajam-betsena? 11Joda dia kely finôna. Raha mampadikidiky no nisy tagne Israely sy tagne Jerosalema. Fa maniratsira ny fitôrana masin'i Yaveh ijay tien'i Joda, la nanambady an'ny janaka vavin'andriamani-kafa. 12Ôka Yaveh hangala an'ireo lain'i Jakoba ilejalahy ijay namale, la dia nitondra fagnatitra hôn'i Yaveh Tompon'ny rehetra aja ijy.13Atôvinareo mandy koa ijao: Rakofanareo amin'ny ranomaso ny alitaran'i Yaveh, amin'ny fitomagnena sy fisentôna, satria ijy dia tsy bola mitodika amin'ny fagnatitra na mandray ijany amim-pankasitrahana avy an-tagnanareo14Fa hoy anareo hoe: "Nahôna ijy no tsy manao an'ijane?" Satria Yaveh dia vavolombelogna taminareo sy ny vady tamin'ny fahatanoranareo, tamin'ijay naja kele finôna anareo, na dia mpara-dia aminareo amin'ny vadinareo tamin'ny alalagny ny fifagnekena aja ijy. 15Tsy natambany ho raika ve areo, miaraka ami'ny silaky ny fagnahine? Ka nahôna anareo no natany ho raike? Satria ijy dia nandrembe taranaka avy amin'Andremanitre. Ka ambeno ao amin'ny fagnahinareo ny tegnanareo, ary aja tsy matoky ny vadin'ny fahatanoranareo.16 "Fa mankahala ny fisarahana Aho," hoy i Yaveh, Andremanitr'Israely, "ary ijay mandrakotra ny fitafena amin'ny herisetre," hoy i Yaveh Tompon'ny rehetra. "Ka ambeno ao amin'ny fagnahinareo ny tegnanareo ary aja kely finôna."17Namijaka ann'i Yaveh tamin'ny jakanareo anareo. Fa hoy anareo hoe: "Ahôna no namijahanay anaje?" Tamin'ny filajana hoe: "Ijay rehetra magnano ratsy dia tsara amason'i Yaveh, ary mankasitraka an-ndreo," na hoe: "Aja ny Andremanitry ny fahamarinana?"
Chapter 3

1"Ito, efa mariny handefa ny Irako Aho, ary d'ijy hagnomagna ny lalagna alohako eo. Ka dia ho avy tampoka ao amin'ny tempoline ny Tompo ijay haragninareo. Jay iraky ny fagnekena ijay hankasitrahanareo, ito, ho avy ijy, " hoy Yaveh Tompon'ny rehetra. 2Fa ija no hahavita hiaritra ny andro hevene? Ija no hahavita hijoro laha hiseho ijy? Fa ijy dia hitovy amin'ny afon'ny mpandrendrika sy savony fanasan-damba. 3Honigna hôtran'ny mpandrendrika sy mpandio volafotsy ijy, ary handio an'ireo janaka lahin'i Levy. Handrendrika an-dreo hôtran'ny volamena sy volafotsy ijy, ary hitondra fagnatitry ny fahamarinana jôn'i Yaveh areo4Ary ny fagnatitr'i Joda sy Jerosalema dia hônkasitrahan'i Yaveh, hôtran'ny andro taloha. 5Dia ho avy hitsara anareo. Vetivety Aho dia ho avy vavolombelogna hanohitra an'ireo mpisikidy, mpijangajanga, vavolombelogna sandoka, ary hanohitra ijay mampalahelo ny mpiasa amin'ny karamane, hôn'ijay mpampijaly ny mpitondrategna sy an'ireo kamboty, hanohitra hôn'ijay tsy magnome voninahitra an'Ahe," hoy Yaveh Tompon'ny rehetra.6"Fa aho, Yaveh, dia bola tsy niova; nohon'ijay anareo, ry janaka lahin'i Jakoba, dia tsy ho tratra farane. 7Hatrami'ny andron-dreo rajambenareo dia nandà ny didiko anareo ary tsy nitandrigna anijane. Miveregna aminahe, dia hiverigna aminareo Aho," hoy Yaveh Tompon'ny rehetra." Fa hoy koja anareo hoe: 'Amin'ny fomba Ahôna no hiveregnanay?'8Misy olo handrava an'Andremanitra ve? Fany nandrava an'Ahe anareo. Fa hoy anareo hoe: 'Tamin'ny fomba ahôna no nandravanay anao? Tamin-dreo ampahafolon-karena sy fagnatitre.9 Anareo dia vô-ojogna, satria nandrava an'Ahe, ry firenena manontolo.10Andôsy ao amin'ny tragno fagnatsarejana ny ampahafolon-karena feno, ba hisy rahanina ao amin'ny tragnoko, ary tsapao amin'ijao Aho,"hoy Yaveh Tompon'ny rehetra, "laha tsy manokatra ny varangaran'ny lanitra aminareo Aho ary mandraraka fahasoavana taminareo, mandra-paha tsisy efitra ho amin'ijany rehetra rehetra ijany koa. 11Hijaka manohitra ijay manimba ny masombolinareo Aho, ba tsy hanimban-dreo ny vokatry ny taninareo. Ireo vôlobokareo egny saga dia ho vognona, " hoy Yaveh Tompon'ny rehetra. 12"Ny firenena abiaby dia hangaika anareo hoe sambatra, satria ho tany matsatsara anareo,"hoy Yaveh Tompon'ny rehetra.13"Nahery taminahy ny jakanare," hoy Yaveh. "Fany hoy anareo hoe: 'Ino nonifampilajanay manohitra Anao?' 14Hoy anareo hoe: 'Tsy ilaina ny manompo an'Andremanitre. Ino ny tombontsoantsena laha nitandrigna an-dreo fangatahiny atsena na nandeha tam-pisôgnana tagn'atrehan'i Yaveh Tompon'ny rehetra? 15Ka ankehitriny atsena mangaika ny mpirehareha hoe sambatra. Tsy mahomby fotsine ireo mpagnano ratsy, fa mitsapa an'Andremanitra ary milefa mihintsy."16Avy eo dia nivoria ijay rehetra natahotra an'i Yaveh. Nifantoka tsara Yaveh ary niteno, ary nisoratana tamin'ny vôlohan'ny boky fahatserovana momban-dreo jay natahotra an'i Yaveh sy nagnome voninahitra negnarane.17"Hônahy areo" hoy Yaveh Tompon'ny rehetra, "fanako sarobidy, amin'ny andro ijay hesako. Halahelo an-dreo Aho , hôtran'ny olo raika malahelo an'ny janagne lahy ijay manompo anaje. 18Dia hagnavaka ny olo marina sy ratsy fagnahy mandy anareo, eo amin'ijay manompo an'Andremanitra sy ijay tsy manompo anaje.
Chapter 4

1Fa itoy, ho avy ny andro, magnoro hôtran'ny fatagna, laha efa lasa lakevogna ireo mpirehareha sy mpanao ratsy rehetre. Ho avy ny andro hagnoro an-dreo, "Hot Yaveh Tompon'ny rehetra, "Ka habela ijany tsy hisy vahane tagnantagnany ijane. 2Fa hônareo ijay matahotra negnarako, ny masoandron'ny fahamarinana dia hiposaka miarake amin'ny fagnasitragnana egny amin'ny elane. Hivôka anareo, ary hitsambikigna hôtran'ny janak'aombe avy amin'ny fihinanam-bilogna. 3Amin'ijany andro ijany dia hagnitsakitsaka ny ratsy anareo, satria ho lakevogna ambani'ny faladian-tongotrareo areo amin'ny andro ijay hesako, " hot Yaveh Tompon'ny rehetra.4Tadidio ny fampenaran'i Mosesy mpanompoko ijay nameko anaje tagny Horeba ho an'Israely rehetra, ireo didy sy fitsipike. 5Itoy, hagniraka an'i Elia mpaminagny Aho melohan'ny heven'ny andro lehibe sy mampatahotran'i Yaveh. 6Hagnampody ny fon'ny rae tamin'ny janaka Ijy, ary ny fon'ny janaka tamin'ny raine, ba tsy heveko ka hamilejako ny tagny amin'ny faharavana tanterake."

Matthew

Chapter 1

1Ny Bokin'ny rajan'i Jesôsy Kristy janak'i Davida janak'i Abrahama. 2Abrahama no iaban'Isaka, ary Isaka no iaban'i Joda sy ireo rahalahiny. 3Joda no iaban'i Fareza sy Zara avy tamin'ny Tamara, Fareza no iaban'i Herzona, ary Herzona no iaban'i Rama.4Rama no iaban'i Aminadaba, ary Aminadaba no iaban'i Nasona, ary Nasona no iaban'i Salmona. Salmona no iaban'i Boaza tamin'ny 5Rahaba, Boaza no iaban'i Obeda tamin'ny Rota, Obeda no iaban'i Jese. 6Ary Jese no iaban'i Davida mpanjaka, Davida no iaban'i Solomona tamin'ny alalan'ny vadin'ny Oria.7Solomona no iaban'i Rehoboama, Rehoboama no iaban'i Abia, ary abia no iaban'i Asa. 8Asa no iaban'i Jaosafata, ary Jaosafata no iaban'i Jorama, ary Jorama no iaban'i Ozia.9Ozia no iaban'i Jotama, Jotama no iaban'i Ahaza, Ahaza no iaban'i Hezekia. 10Hezekia no iaban'i Manase, Manase no iaban'i Amona, ary Amona no iaban'i Josia. 11Josia no rajagn'i Jekonia sy ireo rahalahiny tamin'ny fotôgnan'ny fandroahana ho agny Babylôna.12Tafaran'ny fandroahana ho agny Babylôna, dia Jekonia no iaban'i Sealtiela, ary Sealtiela no rajagn'i Zerobabela. 13Zerobabela no iaban'i Abihoda, Abihoda no iaban'i Eliakima, ary Eliakima no iaban'i Azora. 14Azora no iaban'i Zadoka, Zadoka, no iaban'i Akima, ary Akima iaban'i Elihoda.15Elihoda no iaban'i Eliazara, Eliazara no iaban'i Matana, ary Matana no iaban'i Jakoba. 16Jakoba no iaban'i Josefa ijay vadin'i Maria, ilay namaitre an'i Jesôsy, ijay nantsoina hoe Kristy. 17Ny taranaka abiaby manomboke amin'i Abrahama ka hatragny amin'i Davida die taranake efatra amin'ny folo, manomboka amin'i Davida ka hatragny amin'ny fandroahana ho agny Babylôna dia taranake efatra amin'ny folo, ary manomboke amin'ny fandroahana ho agny Babylôna ka hatragny amin'i Kristy die taranake efatra amin'ny folo.18Hôtran'ijao no niboahan'ny fahaterahan'i Kristy. Ny endrine, Maria, die efa natokagna hanambady an'i Josefa, sengy talohan'ny niarahan-dreo die hita fa nitoeran'anake ijy avy tamin'ny Fanahy Masina. 19Josefa, vadiny, die lelahy marina, no sady tsy te hangala barake an'ajy ampahibemaso. Ka nanapa-kevitre ijy ny hamaragna mangingigna ny fifangnekeny tamin'ajy.20Ary laha ijy mbola nieritreritre mahakasike ireo raha ireo igny, die niboke tamin'ajy tamin'ny nofy ny anjelin'ny Tompo, Magnano hoe: ''Josefa, janaka lahin'i Davida, aja matahotre ny hangala an'i Maria ho vadinao, satria ilay raike ijay notorontoronina ao agnatiny die Fanahy Masina no nampitoetra an'ajy. 21Hamaitre jaja lelahy ijy, ary anao hagnatso ny agnarany hoe Jesôsy, fa ijy no hamonjy ny olony hiala amin'ny fahotan-dreo.''22Ijany abiaby ijany die nibôke mba hahatanterake ijay nambaran'ny Tompo tamin'ny alalan'ilay mpaminany, magnano hoe:'' 23Indro, ny virijiny hanagn'anake ka hamaitre jajalelahy, ary areo hagnatso ny agnarany hoe Imanoela''_ijay midika hoe:'' Amintsena Andriamanitra.''24Nifoha tamin'ny torimasony Josefa ary nagnano arak'ijay nandidian'ny anjelin'ny Tompo an'ajy ary nangala an'ajy ho vady. 25Sengy tsy niray tamin'ajy mandram-pamaitrany jajalelahy. Ary nangehany hoe Jesôsy ny agnarany.
Chapter 2

1Tafaran'ny nahaterahan'i Jesôsy tao Betleheman'i Jodia tamin'ny andron'i Heroda mpanjaka, die tonga tao Jerosalema ireo lelahy manam-pahalalana avy agny atsignanana nijaka hoe:'' 2Aja Ijy ijay terake ho Mpanjakan'i Jiosy? Nahita ny kintagna avy egny atsignanana ahay ary tonga mba hidera an'ajy.'' 3Laha naharegne an'ijany i Heroda mpanjaka, die nihorohoro ijy, sy i Jerosalema manontolo niarake tamin'ajy.4Nindôsin'i Heroda niaraka ny lohan'ny mpisorogna abiaby, sy ny mpanora-dalànan'ny olona, ary nagnotany an-dreo ijy hoe:'' Aja no hahaterahan'i Kristy? 5Nijaka tamin'ajy areo hoe:'' Ao Betleheman'i Jodia, fa ijao no vôsoratry ny mpaminany hoe:'' 6Fa anao, Betlehema, agny amin'ny tanin'ny Joda, die tsy kely indrindra amin'ireo mpitondran'i Joda, fa avy aminao no hiavian'ny mpanapake ijay hiandry ny oloko Israely.''7Ary nangaike mangingigna ireo lelahy manam-pahalalana i Heroda mba hagnotany an-dreo majava tsara ny fotôgna niboahan'ilay kintagna. 8Nalefany agny Betlehema areo, magnano hoe:''Mandehana ary fotory tsara ny amin'ilay jaja. Laha hitanareo ijy, die ampilajao iaho, mba ahafako menga agny mandy koa hidera an'ajy9Tafaran'ny naharegnesan'dreo ny mpanjaka, die nandeha tamin'ny lalany'andreo, die ny kintagna ijay hitan'dreo tegny atsignanana no neloha an-dreo mandra-pijanony teo ambon'ny toerana nisy NY zaza. 10Rehefa nahita ny kintagna an-dreo, die nifaly tamim-pifaliam-be.11Niditre tao amin'ilay tragno areo ary nahita ny jaja niarake tamin'i Maria endrine. Niankohoke sy nidera an'ajy areo. Nanokatre ny fitoeran-kareny areo ary nanolotre fagnomejana volamena, dintin-kajo magnitre, ary miora ho an'ajy. 12Nampitandrigna an'ajy areo tamin'ny nofy Andriamanitra mba tsy hiverigna agny amin'i Heroda, ka lalana hafa no nandehan-dreo namonjy ny fireneny avy.13Laha lasa areo, die nisy anjelin'ny Tompo nibôke tamin'i Josefa tamin'ny alalan'ny nofy ary nijaka hoe:'' Miaregna, indôsy ny jaja sy ny endriny, ary milefa agny Egypta. Mipetraha agny mandra-pilajako aminao, fa i Heroda die mitady ilay jaja mba hamonoany an'ajy''. 14Ny align'igny Josefa die nifoha ary nitondra ny jaja sy ny endrine ka nenga agny Egypta. Nipetrake tagny ijy mandra-pahafaty an'i Heroda.15 Ijany die nagnatanterake ijay nambaran'ny Tompo tamin'ny alalan'ny mpaminany hoe:'' Nangehako hiala tagny Egypta ny janako.''16Avy eo Heroda, laha nahita fa vôfita-dreo lelahy manam-pahalalana, die vignitre mahare. Nagnirake sy nampamono ny jaja lelahy abiaby roa taogna no mijotso ijay tao Betlehema sy tao amin'ny faritre abiaby ijy, araka ny fotôgna ijay nofotorany majava tamin-dreo lelahy manam-pahalalana.17Avy eo die tanterake ny jaka ijay nojakaina tamin'ny alalagn'i Jeremia mpaminany hoe:''18 Nisy feo regne tao Rama, fitomaniana sy fisaognam-be, mitomagny nohon'ny amin'ny janagny i Rahely, ary tsy nagneky ny hampangignina ijy, satria efa lasagna areo.''19Laha maty i Heroda, indro nisy anjelin'ny Tompo nibôke tamin'ny Josefa tagny Egypta tamin'ny nofy ary nijaka hoe:''20 Mifohaja ary indôsy ny jaja sy ny endrine ka mandehana agny amin'ny tanin'Isiraely, fa efa maty areo ijay nifofo ny aign'ny jaja.'' 21Nifoha Josefa, nindôsiny jaja sy ny endrine, ary nandeha tagny amin'ny tanin'Isiraely.22Fa laha regnine fa i Arkelaosy no nanjake tagny Jodia nandimby an'i Heroda iabany, die natahotre ny ho agny ijy. Tafaran'ny nampitandreman'Andriamanitra an'ajy tamin'ny nofy, die niala nenga agny amin'ny faritr'i Galilia ijy 23ka nandeha ary nipetrake tao amin'ny tanàna antsoina hoe Nazareta. Ijany die nahatanterake ijay vôlaja tamin'ny alalan'ireo mpaminany hoe: ''Nazarena no angehana an'ajy.''
Chapter 3

1Tamin'ijany andro ijany die nandeha nitory tagny agn'efitr'i Jodia i Jaona mpanao Batisa magnano hoe: 2"Mivavaha, fa efa akeky ny fanjakan'ny lagnitra." 3Fa ijy no ilay nijakan'Isaia mpaminagny, magnano hoe: "Misy feo raika mangaike mahare agny agn'efitra hoe: 'Amboary ny lalan'ny Tompo, ahitsio ny lalagne.'"4Ary Jaona nisikina volon-drameva sy nagnano fehikibo hoditra tamin'ny valahagne. Ampanga sy tintely remby no nataony fihinagna.5 Ary Jerosalema, Jodia manontolo, sy ny faritra manontolo magnodidigna ny reniranon'i Jordana die nagnatogna anaje. 6Nataony batisa tegny amin'ny reniranon'i Jordana areo, laha efa nagneky ny fahotane.7Fa laha nahita ny Fariseo sy Sadoseo maro nagnatogna anajy mba hatao batisa ijy, die hoy ijy tamin'dreo hoe: "Ry taranaka menaragna feno poijina, ija no nampitandrigna anareo hilefa ny fahavignirana ijay ho avy? 8Mamoaja voa miendrika ny fivavahana.9 Ary aja maisaigna ny hilaja agneritreritra hoe: 'Managna an'i Abrahama ho abanay ahay.' Fa jakaiko aminareo Andriamanitra die mahavita manangagna janaka ho an'i Abrahama na die avy amin'ito vato ito aja.10Ary efa napetraka eo am-pototrin'ny hajo ny andrognana. Koa ny hajo manontolo ijay tsy mamoa voa tsara die hitapahina ary hatsipy agny agnaty afo. 11Magnano batisa anareo amin'ny rano hômin'ny fivavahana iaho. Fa mahery noho iaho ijy ijay tonga afarako, ary iaho die tsy mendrika mihintsy na die ny hitondra ny kapany aja. Hagnano Batisa anareo amin'ny Fanahy Masina sy ny afo Ijy.12 Efa egny an-tagnany ny fikororohany ba hagnadiovana ny famoloany ary hanangonana ny variny any an-tsompitre. Fa ijy die handoro ireo akofa amin'ny afo ijay tsy mety mate."13Avy teo Jesôsy avy tagny Galilia ka tonga teo amin'ny reniranon'i Jordana mba hataon'i Jaona batisa. 14Nefa i Jaona die niejaka nanakana anajy, magnano hoe: "Iaho no mila ataonao batisa, nefa anao koa ve no magnatogna anahy?" 15Jesôsy namaly ary nijaka taminajy hoe: "Ekeo ijany ankehitriny, fa ijao no mety amintsena hahatanteraka ny fahamarinana manontolo." Avy eo Jaona nagneky anajy.16Laha vita batisa Ijy, tonga die nivôka Jesôsy, ary jay, nivoha taminajy ny lagnitre. Hitany ny Fagnahin'Andriamanitra nidigna hôtrany voromahalala ary nandeha eo ambonine.17 Ary jay, nisy feo avy agny an-dagnitra nagnano hoe: Itoy no Janako malalako. Ijay sitrako indrindra."
Chapter 4

1Avy eo Jesôsy notarihan'ny Fanahy ho agny agn'efitre mba halain'ny devoly fagnahy. 2Laha avy nifady hanigna efapolo andro sy efapolo aligna ijy, die mosaregna. 3Nagnatogna ny mpaka fagnahy ka nijaka tamin'ajy hoe:'' Laha Janak'Andriamanitra anao, die jakao ho tonga mofo ireto vato ireto.'' 4Fa Jesôsy namaly ka nagnano hoe:'' Tsy ny mofo mandy no hiveloman'ny olo fa ijay teny abiaby aloaky ny vavan'Andriamanitra.''5Avy eo ny devoly nitondra an'ajy tagny amin'ny tanàna masina ka nametraka an'ajy teo amin'ny faratampon'ny tempoly, 6ary nijaka tamin'ajy hoe:'' Laha Janak'Andriamanitra anao, die midaboha agny ambany agny, vôsoratra hoe:' Ijy handidy ireo anjeliny hiahy anao' sy hanadratre Anao eo amin'ny tagnan-dreo, ka tsy ho tafintohigna amin'ny vato ny tongotrao.''7Jesôsy nijaka tamin'ajy hoe:'' Die mbola vôsoratra indraika hoe:' tsy tokony hitsapa ny Tompo Andriamanitrao Anao.' 8Nindôsiny devoly henga agny amin'ny toerana agnambo indraike Ijy ary nampibôka an'ajy ny fanjakana abiaby amin'ijao tontolo ijao sy ny hatsaran'ireo.9 Hoy ijy tamin'ajy hoe:'' Ireo abiaby ireo die homeko anao, laha tao ka miankohoke eto ankatrehako sy midera an'ahy anao.''10Avy eo Jesôsy nijaka tamin'ajy hoe:" Mialà eto anao, ry Satana! Fa efa vôsoratra hoe:' Anao die hidera ny Tompo Andriamanitrao, ary ijy irery mandy no ho tompoinao.'' 11Avy eo nandao an'ajy ny dévoly, ary indreo, nisy anjely tonga ka nanompo an'Ajy.12Ary laha regnin'i Jesôsy fa vôsambotre Jaona, die nimpody nenga agny Galilia ijy. 13Nandao an'i Nazareta ijy ka nandeha ary nonigna tao Kapernaomy, ijay eo amoron-dranomasin'ny Galilia, ao amin'ny jara-tanin'i Zebolona sy Naftaly.14Ijany no nitranga mba hahatanterake ijay nambaran'Isaia mpaminany hoe:''15 Ny tanin'i Zebolona sy ny tanin'i Naftaly, menga agny amin'ny ranomasina, agny an-dafin'i Jordana, Galilia an'ireo Jentilisa! 16Ireo olo nidoboke tamin'ny menjigna die nahita fahajavana lehibe, ary ireo ijay nidoboke tamin'ny faritra sy ny aloky ny fahafatesana, die teo amin-dreo no niposahan'ny fahajavana.''Ary tamin'ijany fotôgna ijany Jesôsy die nanomboke nitory tenu sy nilaja hoe:'' Mibebaha, fa efa akeky ny fanjakan'ny lagnitra.''18Laha nandeha tegny amoron'ny Ranomasin'i Galilia Ijy, dia nahita mpirahalahy roe, Simona ijay nantsoina hoe Petera, ary Andréa rahalahiny, nanipy ny haratony tegny amin'ny ranomasina, fa mpagnarato areo. 19Hoy Jesôsy tamin-dreo hoe:''Andeha, hagnaraka an'Ahy, fa hataoko mpagnarato olo anareo.'' 20Teo no eo mandy die nandao ireo harato areo ka nagnaraka an'Ajy.21Ary laha mbola nandroso Jesôsy die nahita mpirahalahy roe hafa, Jakoba janak'i Zebedio, sy Jaona rahalahiny.Nagnambôtre ny haratony tao an-tsambo areo niaraka tamin'i Zebedio iaban-dreo. Nangaike an-dreo Ijy, 22ka teo no eo mandy die nandao ny sambokeliny sy ny abany areo ka nagnaraka an'Ajy.23Nandeha eran'i Galilia Jesôsy, nampianatre tao amin'ny synagogan-dreo, nitory ny filajantsaran'ny fanjakana , ary nagnasitragna ireo karajagn'aretigna abiaby mbamin'ny rofy abiaby teo amin'ny olo. 24Niely eran'i Syria ny vaovao mahakasika an'Ajy, ka die nindôsin'ny olo teo tamin'Ajy ireo ijay marary abiaby, mararin'ny karajagn'aretigna sy fangirifiriana, ireo demoniaka, sy ijay mararin'ny androbe sy mararin'ny paralysisa. Nositranin'i Jesôsy ijy iregny. 25Vahôke rahabe avy tagny Galilia, Dekapolisy, Jerosalema, Jodia ary ny avy agny an-dafin'i Jordana no nagnaraka an'Ajy.
Chapter 5

1Laha nahita ireo fokon'olo Jesôsy, die nagnanike teo an-tendrombohitre. Laha tafatoboke Ijy, die nagnantogna an'Aje ireo mpianatrane. 2Namoha ny vavane Ijy ary nampianatre an-dreo, magnano hoe: 3''Sambatre ny misotry am-pagnahe, fa an-dreo ny fanjakan'ny lagnitre. 4Sambatre ireo misôgna, fa hampionognina areo.5Sambatre ireo malemy fagnahy, fa areo no handova ny tany. 6Sambatre ireo ijay mosaregna sy mangetaheta ny fahamarignana, fa hivokisana areo. 7Sambatre ireo mpamindra fo, fa hahajo famindram-po areo.8 Sambatre ireo madio am-po, fa hahita an'Andriamanitra areo.9Sambatre ireo mpampihavana, fa areo no angihina hoe janak'Andriamanitra. 10Sambatre ireo ijay injehina nohon'ny fahamarignana, fa an-dreo ny fanjakan'ny lagnitre.11Sambatre anareo laha maniratsira anareo sy magnenjike anareo ny olo, ary mijaka ny karajagna vandy ratsy abiaby hanohitra anareo lohon'ny amin'Ahe. 12Mifalia sy miravoravoa, fa makadiry ny valisoanareo agny an-dagnitre. Fa hôtran'ijane ny fomba nagnenjehan'olo ireo mpaminany ijay niaigna talohakanareo.13Anareo no siran'ny tany. Fa laha ny sira no nanjary matsatso, amin'ny fomba akory no hahamasigna ijane indraike? Tsy ho tsara na amin'ino na amin'ino koa ijane fa hariana sy ho hididian'ny hongotr'olo ambine. 14Anareo no fahajavan'ijao tontolo ijao. Ny tanàna mitsangagna eo amin'ny tagnambogna die tsy ajo hasitrike koa.15Tsy misy olo mamelogna jiro ka magnapetraka ijane agne ambane tanty, fa eo amin'ny fipitrahan-jiro, ka magnajava ny abiaby ao an-dragno ijane. 16Ôka hajava eo alohakan'olo hôtran'ijane fomba ijane ny fahajavanareo mba hahitan-dreo ny asa tsara amboarinareo ary hankalajane an'Iabanareo ijay agne an-dagnitre.17Aja mieritreritra hoe avy handrava ny lalàna na ireo mpaminany Iaho. Tsy avy hanimba ireo Iaho, fa hagnatanteraka ajy ireo. 18Fa vorianiko marina aminareo fa mandra-pahalevognan'ny lagnitre sy ny tany, die tsy ho fôgna amin'ny lalàna na die litera raike sy tendro-soratre raike aja, mandra-pahatanteraky ny raha abiaby.19Noho ijane n'ija na'ija tsy mandika na die ny farany kitike amin'ireo didy ireo sy mampianatre ny hafa hagnano hôtran'ijane die hangihina hoe farany kitike ao amin'ny fanjakan'ny lagnitre. Fa n'ija n'ija mankatò sy mampianatre ireo die hangihina hoe makadiry ao amin'ny fanjakan'ny lagnitre. 20Fa vorianiko aminareo fa laha tsy mihôtre noho nen'ny mpanora-dalàna sy ny fariseo ny fahamarignanareo, die tsy hiditre ao amin'ny fanjakan'ny lagnitre mihitsy anareo.21Efa regninareo fa vôlaja tamin-dreo talohake hoe: ''Aja mamono olo; ary ''N'ija n'ija mamono olo die ho helohina agny amin'ny fitsaràna.''22 Fa vorianiko aminareo fa ijay abiaby vignitre amin'ny rahalahine die sahaja ho helohina agne amin'ny fitsaràna; ary n'ija n'ija mijaka ny rahalahine hoe: ''Anao die olom-pôgna!'' die ho helohina agny amin'ny filan-kevitre; ary n'ija n'ija mijaka hoe: ''Môla anao!'' die sahaja ny ho agne amin'ny farihy mirehitra afo.23Noho ijane laha magnome ny fagnatitrao eo amin'ny alitara anao ka tadidinao teo fa managna alahelo aminao ny rahalahinao, 24die abilay eo alohakan'ny alitara ny fagnatitrao, ka mandihana jory ny lalagnao. Mihavàna alohake amin'ny rahalahinao, ary avy teo mipodia die omeo ny fagnatitrao.25Mihavàna malaky amin'ny mpitory anao laha mbola miara-dia amin'ajy agne amin'ny fitsaràna anao, fa sao die ny mpitory anao hagnome anao amin'ny mpitsara, ary ny mpitsara mety hagnome anao amin'ny manam-boninahitre, ka higadaraina anao. 26Vorianiko marina aminareo, fa tsy ho afaka mivôke ao mihitsy anao mandra-pandoavanao ny vola faran'ny kitike indrindra amin'ny trosanao.27Efa regninareo fa vôlaja hoe: ''Aja mijangajanga.'' 28Kanefa vorianiko aminareo fa ijay abiaby mijaha viavy ka magniry an'ajy die efa nijangajanga tao am-pone sahady.29Laha manafintohigna anao ny masonao ankavanana, die alay ijany ary atilio lavitra anao. Fa tsara loholoho hônao laha ny ampahane raike amin'ny vatagnao no tokone hisimbaina fa tsy ny tegnanao abiaby no atily agne amin'ny afobe.30 Laha manafintohigna anao ny tagnanao ankavanana, die tapahy ary atilio lavitra hienga aminao. Fa tsara loholoho hônao laha ny ampahane raike amin'ny vatagnao no tokone ho very fa tsy ny tegnanao abiaby no atily agne amin'ny afobe.31Ary efa vôlaja mandy koa hoe: ''N'ija n'ija misarake amin'ny vadine, die ôka ijy hagnome an'ajy ny taratasy fisaraham-panambadiena.'' 32Fa Iaho koja mijaka aminareo fa ijay abiaby misaraka amin'ny vadine, hafa-tsy nohon'ny fijangajangana, die mampijangajanga an'ajy. N'ija n'ija manambady an'ajy afaran'ny fisarahane die mijangajanga.33Ary koa, regninareo fa vôlaja tamin'ny ntaolo hoe: ''Aja mifanta fifantana diso, fa indôsy eo agnatrehan'ny Tompo ny fifantanao.'' 34Fa Iaho koja mijaka aminareo, aja mifanta amin'ny raha abiaby, na amin'ny lagnitre aja, fa seja fendriagnan'Andriamanitra ijane; 35na amin'ny tany, fa fitobohan-tongone ijane; na koa amin'ny Jerosalema, fa tanànan'ny mpanjaka makadiry ijane.36Aja mifanta amin'ny lohanao, fa tsy afaka magnafotsy na magnamenty ny singambolo raike anao. 37Fa ôka ny jakanao ho, ''Ieka, ieka'' na ''Tsiare, tsiare''. Ijay mihôtra ijane die avy amin'ny ilay ratsy.38Regninareo fa vôlaja hoe: ''Maso solon'ny maso, ary ny nify solon'ny nify''. 39Fa Iaho koja mijaka aminareo hoe, aja manohitra ijay ratsy. Fa koja, n'ija n'ija mandraha ny takolakao ankavanana die omeo an'ajy koa ny ilane.40Ary laha misy olo magniry ny hiaraka aminao ho agne amin'ny fitsaràna ka mangala ny akanjonao, die abilay hôn'ajy mandy koa ny lambanao. 41N'ija n'ija manery anao handeha kilômetra raike, mandihàna miaraka amin'ajy amin'ny kilômetra roe. 42Omeo ijay mangataka aminao, ary aja mandà n'ija n'ija magniry ny hindragna aminao.43Efa regninareo fa vôlaja hoe: ''Tsy mentsy mitia ny mpiara-belogna aminao anao ary mankahala ny fahavalonao''. 44Fa vorianiko aminareo, tiavo ny fahavalonareo ary mivavaha hôn'ijay magnenjike anareo, [Fagnamarihana: Ny dikan-teny talohake tsara indrindra die mangala ny hoe: ''Misôra ireo ijay magnojogna anareo, mamboara ny tsara amin'ireo ijay mankahala anareo.''] 45mba hanjary janakan'Iabanareo ijay agny an-dagnitre anareo. Fa Ijy die mampiposaka ny masoandrone amin'ny ratsy sy ny tsara, ary mampilatsake ny erike amin'ny marina sy ny tsy marina.46Fa laha ireo ijay tia anareo no tiavinareo, ino ny valisoa ajonareo? Moa na die ny mpamory hetra aja tsy mba magnano hôtran'ijany koa? 47Laha ny rahalahinareo rerike mandy no agnontanianareo, ino ny mba amboarinareo mihôtran'ny hafa? Moa na die ny Jentilisa aja tsy mba magnano hôtran'ijany koa? 48Noho ijane die tsy mentsy tanterake anareo, hôtran'ny fahatanterahan' Iabanareo ijay agny an-dagnitre.
Chapter 6

1Mitandrema mba tsy hagnano ny asan'ny fahamarinanareo eo agnatrehan'ny olo anareo mba ho hintan-dreo, fa laha tsy ijany die tsy hahajo ny valisoa laha tamin'ny Iabanareo ijay agny an-dagnitre. 2Noho ijany rehefa maneho fihantrana anareo, die aja mitsoka tropetra misarika ny hafa hôtran'ny ataon'ny mpietsara velatsihy agny amin'ny synagoga sy egny amin'ny lalagna, ka mba mety hahajo ny fideran'olo andreo. Jakaiko marina aminareo, fa andreo die efa nandray ny valisoany.3Fa rehefa maneho fihantrana anareo, aja atao fantatrin'ny tananareo havia ijay amboarin'ny tananareo havanana, 4ka mba homena mangingina ny fonomezanareo. Avy eo ny Iabanareo ijay mahita amin'ny mangingina no hamaly soa anareo5Rehefa mivavake anareo, aja manao hôtran'ny petsaravelatsihy , fa areo tia mijoro sy mivavake eo amin'ny synagoga sy eo amorondalagna, ka mba mety ho hitan'olo. Jakaiko marina aminareo, fa areo die efa nandray ny vqlisoany. 6Fa anareo, rehefa mivavake, midira ao amin'ny efi-tragnonareo. Mpegno ny varavaragna, die mivavaha amin'ny Iabanareo ijay ao amin'ny mangingigna. Avy eo ny iabanareo ijay mahita ao amin'ny mangingigna no hamaly soa anareo. 7Rehefa mivavake anareo, aja manao jaka rahabe tsy misy ilàna anazy hôtran'ny amboarin'ny Jentilisa, ny amin'ny fiheverany fa ho regny dreo nohon'ny jaka rahabe ijay ataony.8Noho ijany, aja manao hôtra andreo, fa ny Iabanareo die efa mahafantatre ireo raha ijay ilainareo melohon'ny angatahinareo Aminajy. 9Noho ijany mivavaha hôtran'zao hoe: 'Rainay ijay agny an-dagnitra, ho hamasinina'anie ny agnaranao. 10Ho tonga anie ny fanjakanao. Hatao anie ny sitraponao ety an-tany hôtran'ny agny an-dagnitre.11Omeo anay androany ny hanina antognine ho anay. 12Mamelà ny helokay, hôtra ny hamelanay ijay meloka taminay. 13Die aja mitondra anay amin'ny fankam-panahy,fa magnafaha anay amin'ny ratsy. '''[Fagnamarihana: Ny dika teny taloha tsara indrindrq die manala ny hoe: ''Fa Anao ny fanjakana sy ny hery ary ny voninahitra mandrakizay. Amena.'']14Fa raha mamela ny hadisoan'ny olo anareo, die hamala anareo mandy koa ny Iabanareo iajy agny an-dagnitra. 15Fa raha tsy mamela ny hadisoan'ijy reo anareo, die tsy hamela ny hadisoanareo mihintsy ny Iabanareo.16Ankoatra an'izay rehefa mifady hanina anareo, aza mampiseho endrika mampalahelo hôtran'ny ataon'ny mpiatsaravelatsihy, fa magnaratsy tarehy ijy reo ka mba mety ho hitan'olo fa tena mifady hanina. Jakaiko marina aminareo, fa efa nandray ny valisoany andreo. 17Fa anao, rehefa mifady hanina, tavony menake ny lohanaao die sasao ny tarehinao, 18ka mba tsy ho hitan'olo hoe mifady hanina, fa amin'ny Iabanao izay ao amin'ny mangingina mandy; die ny Iabanao izay mahita ao amin'ny mangingina, no hamaly soa anao19Aza magnatsary ny harenareo ety an-tany, izay avetrakan'ny kalalao sy harafesina, ary hidiran'ireo mpangalatra ankeriny ka hangalatra. 20Fa koja, atsarezo ny harenareo agny an-dagnitra, izay tsy ho avetrakan'ny kalalao sy harefesina, ary tsy hidiran'ireo mpangalatra an-keriny ka hangalatra. 21Fa izay misy ny harenao, no ipetrahan'ny fonao mandy koa.22Ny maso ijoroan'ny vatana. Noho ijany, raha tsara ny masanao, die ho feno fahazavana ny vatana abiaby. 23Fa raha ratsy ny masonao, die ho feno haijigna ny vatagnanao manontolo. Noho ijany, raha mejigna ny fahazavanay ao anatinao amin'ijao, manao ahôna ny halehibehin'ijany haijina ijany! 24Tsy misy afaka hanompo tompo roa, fa hankahala ny iray izy ary hitia ny iray, raha tsy ijany hanolo-tegna ho an'ny raike ka hankahala ny raike hafa. Anao die tsy afake hanompo an'Andriamanitra sy ny harena.25Noho ijany jakaiko aminareo, aza miahiahy momba ny aignanareo, ijay hohaninareo na ijay hinominareo - na momba ny vatagnanareo, ijay hotafianareo. Fa tsy lehibe noho ny sakafo ve ny fiainana, die ny vatana lihibe noho ny fitafiana? 26Jahao ireo vorona eny amin'ny habakabaka.vIjy regny die tsy mamafy na mijinja na mamory ao an-tsopitra,fa ny Iabanareo ijay any an-danitra no mamahana ajy iregny. Tsy sarobidy kokoa mihoatra ireny ve anareo?27Iza aminareo no afaka manampy hakio iray ami'ny andro hiainany amin'ny fanahiana? 28Nagnino anareo no miahiahy momba ny fitafianareo? Saigno ny momban'ny lilia egny amin'i saha, ahôna ny fanirin'izy ireny. Tsy mba miasa ijy ireny, die tsy mamoly fitafiana. 29Jakaiko aminareo, fa na i Solomona aza amin'ny voninahiny manontolo die tsy nitafy hôtran'ny raike amin'ireny.30Raha ampitafian'Andriamanitra hôtran'ijany ny ahitre agny an-karenana, ijay rehetra misy anio sy rahampitso die hatsipy ao ampatana, hôtran'niaza no ampitafiany anareo bebe kokoa, anareo ry kely finoana? 31Noho ijany aza miahiahy ka mijaka hoe : 'Ino no hohaninay?' na hoe: 'Ino no hosotronay ?' na hoe: 'Ino ny fitafiana ho hanaovanay?'32Fa ireo Jentilisa mandreby ireo raha ireo, ary ny Iabanareo ijay any an-dagnitre die mahafantatre fa mila ireo anareo. 33Fa rombenjo aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany die homena anareo ireo raha ireo. 34Noho ijany, aza miahiahy ny ampitso, fa ny ampitso hanahy ny azy. Ampy ho an'ny andro kiraidraike ny ratsy ao aminazy.

Chapter 7

1Aja mitsara, die tsy hitsaraina anareo.2 Fa amin'ny fitsarana namboarinareo, ary amin'ny fandrifesana andrifesanareo, no handrifesana anareo.3Nagnino anao no mijaha ny singa-mololo kitike ijay ao agnatin'ny mason'ny rahalahinao,nefa tsy hitanao ny andry ao agnaty masonao? 4Akory no hijakanao ny rahalahinao hoe: ''Abilay iaho hangala ny singa-mololo ijay ao agnaty masonao'', laha mbôla ao agnatin'ny masonao ilay andry?5 Ry mpetsaravelatsihy! Alay alohake ny andry ao agnaty masonao, ary avy teo anao hahita tsara laha mangala ny singa-mololo ijay eo amin'ny mason'ny rahalahinao.6Aja omena ny amboa ijay masina, ary aja atily eo amin'ny kosoa ny vatosoanareo. Laha tsy ijane die mety ho vôhitakane ny hongon-dreo, ary avy teo hifotitre sy hamiravira anareo amin'ny fahapotehana.7Mangataha, die omena anareo ijane. Mandrombeja, die hahita anareo. Dodogny, fa hivoha hônareo ijane. 8Fa ijay abiaby mangatake, die mahajo; ireo abiaby ijay mandrembe, die mahita; ary hôn'olo mandondogna, die hivohàna. 9Sa ija aminareo, laha angatahan'ny janagne mofo, no hagnome vato an'aje? 10Na koa laha nangatahane trondro, ka hagnome bibilava an'aje?11Noho ijane, laha anareo ijay ratsy aja mahay magnome ireo fagnomejana ijay tsara hôn'ny janakareo, moa tsy makadiry mihôtra ve ny raha tsara omen'Iabanareo ijay agne an-dagnitre hôn'ireo ijay mangatake amin'Aje?12 Noho ijane, n'ino n'ino raha tianareo hamboarin'olo amin'ny tegnanareo, die tokone hambôtre hôtran'ijane amin-dreo mandy koa anareo, fa ijane no lalàna sy ireo mpaminany.13Midira amin'ny vavahady tere. Fa makadiry ny vavahady ary malalake ny lalagna mitondra agne amin'ny fahaverejana, ary rahabe ireo olo ijay mandeha amin'ijane.14 Fa tery ny vavahady ary sarotre ny lalagna ijay mitarike megnegne amin'ny fiaignana, ary pitike ireo ijay mahita ijane.15Mitandrema amin'ireo mpaminany sandoke, ijay magnantogna anareo amin'ny fitafian'ondry nefa amboadia tena mpihaja.16 Amin'ny alalan'ny vône no hafantaranareo an-dreo. Mila vôloboke egne amin'ny fantsy ve ny olo, na koa aviavy egne amin'ny songosongo? 17Mitovy amin'ijane, ny hajo tsara abiaby die mamokatre vôny tsara, fa ny hajo ratsy die mamokatre vôny ratsy.18Ny hajo tara die tsy afake ny hamokatre vôny ratsy, na koa ny hajo ratsy die tsy afake mamokatre vôny tara. 19Ny hajo abiaby ijay tsy mamokatre vôny tsara die tapahina ary hatily agne agnaty afo. 20Ka noho ijane, ho fantatrareo areo amin'ny alalan'ny vône.21Tsy ireo abiaby ijay mijaka amin'Ahe hoe: ''Tompo,Tompo'', die hiditre ny fanjakan'ny lagnitre, fa ireo ijay magnano ny sitrapon'Iabako ijay agne an-dagnitre mandy.22 Rahabe ny olo hijaka amin'Ahe amin'ijane andro ijane hoe: ''Tompo, Tompo'', tsy efa naminany tamin'ny agnaranao ve ahay, tsy efa namôke ireo demonia tamin'ny agnaranao, ary nagnano ireo asa makadiry tamin'ny agnaranao?'' 23Avy teo Iaho hagnatoro amin-dreo ampahabemaso hoe: ''Tsy nahafantatra anareo mihitsy Iaho! Misitaha lavitra an'Ahe, ry mpagnano ratsy!''24Noho ijane, ireo abiaby ijay maharegny ny jakako ary nankatò ijane die ho hôtran'ny olo kanty ijay nanangagna ny tragnone egne ambony vatolampy. 25Nilatsake ny erike, avy ny ranobe, ary nandrivotre nahare sy nandraha ilay tragno ny rivotre, fa tsy tola ijane, satria natsangagna teo ambony vatolampy.26Fa ny abiaby ijay naharegny ireo jakako ka tsy mankatò an'aje iregne die hôtean'ny olo môla ijay nanangagna ny tragnone egne ambony fasike. 27Nilatsake ny erike, avy ny ranobe, ary nandrivotre nahare sy nandraha ilay tragno ny rivotre, ka die tola ijane, ary feno ny faharavane.''28Ary laha avy nagnambara ireo teny ireo Jesôsy, varegna tamin'ny fampenarane ireo fokon'olo, 29satria nampianatra an-dreo hôtran'ny olo ijay managna fahefana Ijy, fa tsy hôtran'ireo mpanora-dalànan-dreo.
Chapter 8

1Laha nijotso laha tegny an-tete Jesôsy, die vahôke rahabe no nagnarake an'Ajy. 2Indro, nisy boka raike nagnatogna an'Ajy ary nandohalike teo alohany, nagnano hoe:'' Tompo, laha sitrakao, die afake manadio an'ahy Anao.'' 3Nagnatsotre ny tagnany Jesôsy ary nikasike an'ajy, nagnano hoe:'' Sitrako. Mahadiova.'' Teo no ho eo die nadio tamin'ny fahabokany ijy.4Hoy Jesôsy tamin'ajy hoe:'' Ôke mba tsy hijaka an'ino na ino na amin'ija na amin'ija anao. Mandehana amin'ny lalanao, atoroy amin'ny mpisorogna ny tegnanao ary atolory ilay fanatitra ijay nodidian'ny Mosesy, mba ho fijorôna vavolombelogna amin-dreo.''5Laha niditre tao Kapernaomy Jesôsy, die nagnatogna an'Ajy ny Kapiteny raike ary nagnotagny an'Ajy, 6nagnano hoe:'' Tompo, mandry ao an-dragno ny mpanompoko fa maleme ary ao anatin'ny fanaitaignana mahare.'' 7Hoy Jesôsy tamin'ajy hoe:" Ho avy Iaho ary hagnasitragna an'ajy.''8Namale ny kapiteny ary nagnano hoe:" Tompo, tsy mendrika iaho ny tokony hidiranao ao ambany tafon-tragnoko, jakay mandy ny jaka die ho afake ny mpanompoko.9 Fa iaho mandy koa die lelahy ijay napetrake ao ambany fahefana, ary managna miaramila ijay fihejiko iaho. Mijaka amin'ny raike iaho hoe:' Mandehana die mandeha ijy, ary amin'ny hafa raike hoe:' Avia,' die magnatogna ijy, ary amin'ny mpanompoko hoe:'' Atôvy ijao, ' die ataony ijany. '' 10Laha regnin'i Jesôsy ijany, die jedagna Ijy ary nijaka tamin-dreo ijay nagnarake an'Ajy hoe:'' Jakaiko marina aminareo, fa tsy mbola nahita olo nanam-pinoana hôtran'ijany Iaho teto Israely.11Jakaiko aminareo, fa be ny avy agny atsinanana sy avy agny andrefana no ho avy, ary an-dreo die hitoboke eo an-databatre miarake amin'i Abrahama, isaka ary Jakoba, agny amin'ny fanjakan'ny lagnitra. 12Fa an-dreo janaky ny fanjakana die hatsipy agny ivelan'ny aizigna alavitre agny, ijay hisy fitomagniana sy fikitroha-nify.' 13Hoy Jesôsy tamin'ilay kapiteny hoe: "Mandehana! Arake ny ninoanao, die ôka ijany ho amboarina ho anao." Ary die nahafake tamin'ijany lera ijany mihitsy ny mpanompo.14Laha niditre tao an-dragnon'i Petera Jesôsy, die nahita ny rafojam-bavin'i Petera nandry nararin'ny tajo Ijy. 15Nokasihin'i Jesôsy ny tagnany, ary niala tamin'ajy ny tajo. Die nitsangagna ijy ary nanomboka nandroso hanina an'Ajy.16Laha avy ny tsondrogn'andro, die rahabe ireo nofihejin'ny demony nindôsin'olo teo amin'ny Jesôsy. Nandrôke ireo fagnahy tamin'ny teny Ijy ary nagnasitragna ireo abiaby ijay narary. 17Hôtran'ijany no nahatanterake ijay nambara tamin'Isaia mpaminany, nagnano hoe: '' Ijy tegnany nangala ny faharariantsena sy nitondra ireo aretintsena.''18Ary laha hitan'i Jesôsy ireo vahôke nagnodidigna an'Ajy, die nagnome toromarika mba hialana ho egny ampitan'ny ranomasigna Galilia Ijy. 19Avy eo ny mpanora-dalàna raike nagnatogna an'Ajy ary nagnano hoe:'' Ry mpampianatre, hagnarake Anao aho na aija na aija ombanao.'' 20Hoy Jesôsy tamin'Ajy hoe:'' Ny amboahaolo manan- davake, ary ireo voron'ny lagnitra managna songo, fa ny Janak'olo tsy managna .na aja na aja ampandriana ny lohany.''21Raika hafa tamin'ireo mpianatre nijaka tamin'ajy hoe:'' Tompo, abelao aho aloha handeha ary handevigna an'i abako.'' 22Fa hoy Jesôsy tamin'Ajy hoe'' Magnaraha an'ahy, ary abelao ny maty handevigna ny maty ao amin'ajy manokagna.''23Laha niditre tao amin'ny sambokely raike Jesôsy, die nagnaraka an'Ajy tao agnatin'ireo mpianany. 24Indro, nisy tafio-dravitre lehibe nitranga teo amin'ny ranomasigna, ka die rakotry ny onja ny sambo. Fa resin-tory Jesôsy. 25Nandeha eo Amin'Ajy ireo mpianatra ary namoha an'Ajy nagnano hoe:'' Vonjeo antsena, Tompo; ho faty antsena!''26Hoy Jesôsy tamin-dreo hoe:" Nahôna anareo no matahotre, ry kely finôna?'' Die nitsangagna Ijy avy eo ary nijaka mahare ny rivotre sy ny ranomasigna. Die nisy fitoniana be avy teo. 27Gaga ireo lelahy ary nijaka hoe:'' Fa karajagna lelahy ino itoy, fa na die ny rivotre sy ranomasigna aja mankato an'Ajy?''28Laha avy tegny agnilany sy teo amin'ny tanànan'ny Gadarenesa Jesôsy, die nisy lelahy roa ijay nofihejin'ny demonia nifananepake tamin'Ajy. Areo die nivoake avy agny amin'ireo kibory ary tena nahery setra, noho ijany die tsy nisy mpandeha afake nandalo ijany lalana ijany. 29Indro, nihiake mahare ijy ary nagnano hoe: '' Moa mpifagnino akory ahay sy Anao, ry Janak'Andriamanitra? Avy eto ve Anao hagnorohoro anay mialohan'ny fotôgna vôtondro?''30Ary nisy andian-kisoa rahabe nihinagna teo tsy die lavitre an-dreo. 31Mbola niangavy an'i Jesôsy mandy ireo demonia ary nagnano hoe:'' Laha mandrôke anay Anao, die alefao ao agnatin'ireo andian-kisoa ireo ahay.''32 Hoy Jesôsy tamin-dreo hoe:'' Mandehana!'' Die nivôke ireo demonia ka nandeha amin'ireo kisoa; ary indro, andiany abiaby nirifatre nijotso ny tendrombohitre mideza nenga agny an- dranomasigna ary maty tao agnaty rano areo33Ireo ijay nikarakara ireo kisoa die nihajakajake ary nenga agny amin'ny tanàna areo ary nitatitre ny raha abiaby, ary indrindra ijay nitranga tamin'ireo lelahy ijay nifihejin'ireo demonia. 34Indro, nivôke ireo tao an-tanàna abiaby mba hihaogna amin'i Jesôsy. Laha hitan-dreo Ijy, die nangatake an'Ajy mba handao ny faritanin-dreo.
Chapter 9

1Niditre an-tsambokely Jesosy, nitsake ary tonga tao amin'ny tanànany. 2Indro, nisy lelahy mararin'ny paralysisa nandry teo am-pandriana nindösin-dreo teo amin'ajy. Laha nahita ny finoan-dreo, dia hoy Jesösy tamin'ilay lelahy mararin'ny paralesisa hoe: "Anake, öke anao hifale. Efa vövela ny helokao."3Indro, ny saragne tamin'ireo mpanora-dalàna nanao anakampo hoe: "Mijaka ratsy io lelahy io."4 Fantatr'i Jesösy ny eritreri-dreo ary nijaka hoe:" Nahöna anareo no mieritreri-dratsy ao am-ponareo?5 Fa ija no moramora loholoho no mijaka an'ajy hoe:" Vövela ny helokao, sa ny mijaka hoe:" mitsangàna ka mandehàna?' 6fa mba ho fantatrareo fa ny janak'olo die managna fahefana hamela heloke eto ambonin'ny tany,..." hoy ijy tamin'ilay mararin'ny paralisisa hoe:" Mitsangàna, batao ny fandrianao, ary mandehana any an-dragnonao."Avy eo nitsangana ilay lelahy ary nenga 7agny an-dragnony. 8Laha nahita ijany ny vahöke, die jendagna areo ary nidera an'Andriamanitra, ijay nagnome fahefana hötran'ijany ho an'ny olona. 9Ary laha niala avy teo Jesösy, die nahita lelahy nantsoina hoe Matio Ijy, ijay nidoboke teo amin'ny lain'ny famorian-ketra. Hoy Ijy tamin'ajy hoe:" Magnaraha an'Ahy." Nitsangana ijy ary nagnaraka an'Ajy.10Ary laha nidoboke hihinagna tao an-dragno Jesösy, indro, mpamory hetra sy olo mpanota rahabe tonga ary niara-nihinagna tamin'ny Jesösy sy ireo mpianany. 11Laha nahita ijany ireo fariseo, die nijaka tamin'ireo mpianany areo hoe:" Nahöna ny mpampianatrareo no miara-mihinagna amin'ny mpamory hetra sy ny olo mpanota?"12Laha naharegne an'ijany Jesösy, die hoy Ijy hoe:" Ny olo matanjaka ara-batagna die tsy mila mpitsabo, fa ireo ijay marary mandy. 13Tokony mandeha mianatre anareo ny dikan'ny hoe:" Famindram-po no iriako fa tsy sorogna." Fa tonga Aho, tsy hagnatso ireo marina hibebaka fa ireo mpanota."14Avy eo nagnatona an'ajy ireo mpianatr'i Jaona ka nijaka hoe:" Nahöna ahay sy ireo fariseo no mifady hanigna matetika, fa ireo mpianatrao koja tsy mba mifady?' 15Hoy Jesösy tamin-dreo hoe: "Mety malahelo ve ireo havan'ny mpampakatra, laha mbola miaraka eo amin-dreo ny mpampiakatra? Fa ho avy ny andro hangalana ny mpampakatra eo amin-dreo, die amin'ijay areo vö hifady hanigna.16Tsy misy olo manampigna akanjo tonta amin'ny tapa-damba vaovao, fa ny tampigna handrovitre ny lamba, ary hisy triatre ratsy lavitre.17Tsy misy olo magnisy divay voavao agnaty siny hoditre tonta. Laha magnano ijany areo, die ho triatre ny siny hoditre, ho rarake ny divay ary ho potike ny siny hoditre. Fa koja, magnisy divay vaovao ao agnaty siny hoditre vaovao areo, ary ho vötahiry ijy roe."18Laha mbola nijaka ireo raha ireo tamin-dreo Jesösy, die indro, nisy manam-pahefana raike tonga ka niankohoke teo amin'ajy. Nijaka ijy hoe:" Maty ijao ankehitriny ijao ny janako vavy, fa tongava ary apetraho eo amin'ajy ny tagnanao, dia ho velogna ijy."19 Avy eo nitsangana Jesösy ary nagnaraka an'ajy, die nagnano hötran'ijany koa ireo mpianany.20Indro, nisy viavy ijay efa nandeha rà nandritre ny roe ambin'ny folo taogna, nenga afaran'i Jesösy ary nikasike ny moron'akanjony. 21Fa hoy ijy tamin'ny tegnany hoe:" Laha mahavoakasika ny lambany mandy iaho die ho sitragna."22 Fa niherike Jesösy ka nahita an'ajy, die nijaka hoe:" Ry janako vavy, mahereja; ny finoanao no nahasitragna anao." Ary sitragna ilay vehivavy nanomboke tamin'io lera io.23Laha tonga tagny amin'ny tranon'ilay manam-pahefana Jesösy, die nahita ireo mpitsoka sodigna sy ireo vahöke nitabataba be Ijy. 24Die hoy Ijy hoe:" Mandehana, fa tsy maty ilay jajaviavy, fa matory ijy." Fa nihehe an'Ajy tamin'ny fanesoana areo.25Laha navoake tany ivelagne ny vahöke die niditra tao an'efitra Ijy ary nandray an'ajy tamin'ny tagnana, ary nitsangana ilay jajavavy.26 Niely nagnerana ny faritre abiaby ny vaovao momba an'ijany.27Ary laha niala teo Jesösy, die nisy jamba roalahy nagnaraka an'Ajy. Tsy niegnina nagnatso areo sady nijaka hoe:'' Mamindrà fo aminay, ry janak'i Davida!" 28Laha tonga ta-dragno Jesösy, die nagnatogna an'Ajy ireo lelahy jamba. Hoy Jesösy tamin-dreo hoe:" Mino ve anareo fa mahay magnano an'ijany Iaho?' Die hoy areo taminy hoe: '' Ieke, Tompo."29Avy eo nokasihan'i Jesösy ny mason-dreo ary nijaka hoe:" Ho tanterake aminareo araka ny finoanareo anie ijany," 30ary nahiratre ny mason-dreo. Avy eo Jesösy nandidy mafy an-dreo ary nijaka hoe:'' öka mba tsy hisy olo hahafantatra momba ijao. 31Fa nandeha ireo roalahy ka nagnely ny vaovao momba ijany nagnerana ijany faritra ijany.32Ary laha nandeha ireo roalahy, die indro, nisy lelahy mögna nitobohan'ny demonia nindösina teo amin'i Jesösy. 33Ary laha navöke ilay demonia, die nijaka ilay lelahy mögna. Zendagna ny vahöke ka nijaka hoe:" Tsy mbola fahita hatramin'ijay tamin'Isiraely ijao!" 34Fa hoy ireo fariseo hoe:" Tamin'ny fanapahan'ireo demonia, no namoahany ireo demonia."35Nandeha nitety ireo tanàn-dehibe sy ireo vohitra abiaby Jesösy. Nanohy nampianatre tagny amin'ireo synagogan-dreo Ijy, nitory ny filazantsaran'ny fanjakana, ary nagnasitragna ireo karazan'aretigna abiaby sy ireo faharariana abiaby. 36Laha nahita ireo vahöke Ijy, die nanagna fangoraham-po tamin'ireo, satria niahiahy sy kivy areo. Hötran'ny ondry tsy misy mpiandry areo37Die hoy ijy tamin'ireo mpianany hoe:" Rahabe ny vokatra, fa ireo mpiasa no hamatre. 38Noho ijany mivavaha malaky amin'ny Tompon'ny vokatra, mba andefasany mpiasa eny amin'ny vokatrany.
Chapter 10Nangihin'ny Jesôsy niaraka ireo mpianany rômbifolo ary nagnome an'dreo fahefana amin'ny fagnahy maloto, mba handroahana anajy io, sy hagnafaka ny karajagn'aretigna sy karajana faharariana manontolo.

2Ary ito aby ny agnarany Apostoly rômbifolo. Ny vôlohany, Simona (ijay angihina mandy koa hoe Petera), ary Andreo rahalahine; Jakoba janaka lahin'i Zebede, sy Jaona rahalahine; 3Filipo, sy Barteleomy; Tomasy, sy Matio ny mpanangona hetra; Jakoba janakana lahin'i Alfeosy, ary Tadeosy;4 Simona ilay Zelota, ary Jodasy Iskariota, ilay hamadika Anaje.5Nirahin'i Jesôsy ijy rômbifolo. Nanoro andreo Ijy ary nijaka hoe: " Aja mandeha agny amin'ny toerana ijay hitoeran'ny Jentilisa anareo, ary aja miditre amin'ny renivohitry ny samaritana.6 Fa mandeha koja agny amin'ny ondry very amin'ny taranak'Israely;7 Ka laha efa mandeha anareo, die mitoria ary ambarao hoe: 'Efa mariny ny fahatongavan'ny fanjakan'ny lagnitra.'8Afaho ny marary, atsangano ny mate, diovy ny boka, ary roahy ny demonia. Araka ny najahônareo maimaimpôgna, die magnomeja mandy koa maimaimpôgna. 9Aja mitondra volamena, volafotsy, na varahigna ao amin'ny kitapom-bolanareo. 10Aja mitondra kitapom-batsy amin'ijay andehananareo, na fitafy hafa, na kiraro, na tehigna, fa ny mpiasa die mendrika hahajo ny sakafone.11N'ino n'ino tanàn-dehibe na tanàna kely hidiranareo, tadiavo ijay mendrika ao, ary mitoera ao mandra-pelanareo. 12Laha vao miditra ao amin'ny tragno anareo, die miarahabà ny ao. 13Fa laha tsy mendrika koja ijany, die ôka ny fedagnanareo hirotsaka aminareo.14Hôn'ireo ijay tsy mandray anareo na tsy miteno ny jakanareo, die ahintsagno ny vovoka amin'ny tongotrareo, laha efa menga amin'ijany tragno na tanàn-dehibe ijany anareo.15 Lajaiko marina aminareo, fa ho moramora kokoa ny an'ny tanin'i Sodoma sy Gomora amin'ny andro fitsarana noho ijany tanàn-dehibe ijany.16Indro, handefa anareo hôtrany ondry eo ampovôn'ny ambodia Iaho, koa hendre hôtrany ny menaragna ary tsy manan-tsigny hôtran'ny voromailala. 17Mitandrema ny amin'ny olo! Hanolotra anareo eo amin'ny filan-kevitra areo, ary hikapoka anareo ao amin'ny sinagogan'dreo.18 Avy teo die indôsina alohan'ny governora sy ny mpanjaka anareo nohon'ny Aminahe, mba ho vavolombelogna hôn'dreo sy an'ireo Jentilisa.19Laha efa manolotra anareo areo, die aja managna ahiahy ny amin'ny hoe ahôna na ino no ho lajainareo, fa hameno anareo amin'io lera io ijay tokony ho lajaina.20 Fa tsy anareo no hijaka, fa ny Fagnahin'ilay Rainareo no hijaka ao aminareo.21Ny rahalahy die hanolotra ny rahalahy ho amin'ny fahafatesana, ary ny raike die ny janagny. Ny janaka die hitsangagna hanohitra ny ray aman-drenine ka hahatonga ny fahafatesan'dreo.22 Ho halan'ny olo manontolo anareo nohon'ny amin'ny agnarako. Fa n'ija n'ija maharitra hatramin'ny farany, die ho vôvonjy ijany olo ijany. 23Laha efa magnenjika anareo ao amin'io tanàn-dehibe io areo, die nilefa agny amin'ny magnaraka, fa lajaiko marina aminareo, fa tsy hahatapitra ny tanànan'Israely melohan'ny hatongavan'ny Janak'Olo anareo.24Ny mpianatra die tsy lehibe nohon'ny mpampiane, na ny mpanompo hômbony nohon'ny tompone.25 Ampy ho an'ny mpianatra raha tonga hôtrany mpampianany ijy, ary ny mpanompo hôtrany tompone. Laha nangihin'dreo hoe Belzeboba ny tompon'ny tragno, die ho ratsy lavitra hôtran'ino ny anarana hangihan'dreo ny isam-piankohonana!26Noho ijany aja mangoaigna an'dreo, fa tsy hisy takogna ijay tsy hiseho, ary java-miafigna ijay tsy ho fantatra. 27Ijay lajaiko anareo ao amin'ny hejigna, die jakay amin'ny andro majava, ary ijay bitsibitsika regninareo amin'ny sofignareo, die torio egny ambony tampon-tragno.28Aja mangoaigna ireo ijay mamono ny vatagna kanefa tsy afaka mamono ny fagnahy. Fa koja, matahora an'ijay afaka mamotika ny fagnahy sy ny vatagna agny amin'ny helo.29 Moa ve tsy vola madinika kely no hamarotana fody roa? Fa tsy bola nisy na raike amin'ajy io aja lavo amin'ny tany laha tsy misy ny fahalalan'ny Rainareo. 30Fa na ny voron-dohanareo aja vôisa aby. 31Aja matahotra. Manan-danja bebe kokoa noho ny fody maro anareo.32Noho ijany ijay rehetra magneky Anahy eo agnatrehan'ny olo, die ho ekeko mandy koa eo eo agnatrehan'ny Raiko ijay agny an-dagnitra.33 Fa ijay mandà Anahy eo agnatrehan'ny olo koja, die ho laviko mandy koa eo agnatrehan'ny Raiko ijay agny an-dagnitra.34Aja meritreritra fa iaho die tonga hitondra fiadagnana eto an-tany. Tsy tonga mba hitondra fiadagnana Iaho, fa sambatra.35 Fa tonga iaho hagnasaraka ny janaka lahy amin'ny abane, sy ny janaka viavy amin'ny endrine, ary ny vinantovavy amin'ny rafojam-bavine.36 Areo ijay ao antokan-tragnony mandy no ho lasa fahavalon'ny olo.37Ijay tia kokoa ny ray na ny reny mihôtra Anahy, die tsy mendrika Anahy.38 Ijay tsy mandray ny hajofijaliany ka magnaraka Anahy die tsy mendrike Anahy. 39Ijay namonjy ny aigne die hahavery ijane. Fa ijay mahavery ny aigny noho ny aminahy die hahita ijany.40Ijay mandray anareo die mandray Anahy, ary ijay mandray Anahy die mandray ny nagnirake Anahe mandy koa.41 Ijay mandray ny mpaminagny satria mpaminagny ijy die hahajo ny valisoan'ny mpaminagny, ary ijay mandray ny olo-marina satria olo-marina ijy die hahajo ny valisoan'ny olo-marina42N'ija n'ija magnome ny raika amin'io madinika be io, na die rano mangatseke ray kôpy hinomina aja, satria ijy mpianatre, die jakaiko marina aminareo fa, tsy ho vere ny valisoane.
Chapter 11

1Ary laha efa avy nampianatre ireo mpianatrany roe ambin'folo Jesôsy, die nienga avy teo Ijy hampianatra sy hitory agny amin'ny tananan'dreo.2 Ary laha efa regnin'i Jaona tao am-ponja ny momba ny asan'ny Kristy, die nandefa hafatra tamin'ny alalan'ny mpianane ijy3 ka nijaka Anajy hoe: "Anao ve ny raika ijay ho avy, sa tokony hiremby hafa ahay?"4Jesôsy namaly ary nijaka andreo hoe: "Mandihana ary jakay amin'i Jaona ijay hitanareo sy regninareo."5 Mahajo fahitana ny jamba, mandihana ny olo maleme, diovina ny boka, maharegny ndraika ny olo maregnina, atsangan-ko velogna ny olo mate, ary anambarana ny vaovao mahafaly ny mahantre.6 Sambatra ijay tsy vignitra noho ny aminahe."7Laha nandeha tegny amin'ny lalagne ireo lelahy ireo, die nanomboka nijaka ny momban'i Jaona tamin'ny vahôka Jesôsy hoe: "Hijaha ino nivoahanareo agny agn'efitra-volotara tsofin'ny rivotre?8 Nefa hijaha ino no nivoahanareo lelahy magnano fitafena lafo vidy? Indro, ireo ijay magnano fitafena lafo vidy die mipetraka ao an-dragnon'ireo mpanjaka.9Nefa hijaha ino no nivoahanareo-mpaminany? Eka, mijaka aminareo Iaho, ary mihôtre lavitra noho ny mpaminagny. 10Ijy ilay ijay vôsoratra hoe: 'Jahao, magniraka ny irakako heloha ny tavanareo Iaho, ijay hagnomagna ny làlanareo meloha anareo.'11Jakaiko marina aminareo, fa amin'ireo ijay natera-biavy die tsy misy lehibe mihôtra noho Jaona mpanao Batisa. Nefa ny olo tsy manan-danja indrindra eo amin'ny fanjakan'ny lagnitre die lehibe noho anaje. 12Nanomboka tamin'ny andron'i Jaona mpagnano batisa ka hatramin'ijao, die miaritra amin'ny herisetra ny fanjakan'ny lagnitre, ary ny olo mahery setra die mangala anajy an-kerine.13Fa ireo mpaminany manontolo sy ny lalàna die efa naminany hatramin''i Jaona; 14ary laha sitrakareo ny hagneky anijane, die Ijy no Elia ilay ho avy. 15Ijay manan-tsofigna hindao-miteno, ôka ijy hiteno.16Amin'ino no tokony hampitoviko itoy taranaka itoy? Ijany die hôtrany jaja milalao egny amin'ny tsena, ijay mipetraka sy mifangaingaike17 ka mijaka hoe: ' Nitsoka sodigna hônareo ahay, fa nandihy anareo. Nagnano hira fisôrana ahay, fa tsy nitomagny anareo.'18Fa Jaona die tsy tonga hihinagna mofo na hinogna divay, ka hoy areo hoe: 'Managna devoly ijy.'19 Ny Janak'Olo die tonga hihinagna sy hisotro ka hoy areo hoe: 'Jahao, lelahy tendan-kanina sy mpagnarandro ijy, akaman'ireo mpamory hetra sy ireo mpanota!' Fa ny fahendrena die vômarigna tamin'ireo asane."20Avy teo Jesôsy nanomboka nijaka mahare ireo tanàna ijay nanôvany ny ankamarôn'ny asany mahagaga, satria tsy nivavaka areo. 21"Loja hônareo, ry Korazina! Loja hônareo, ry Betsaida! Laha natao tagny Tyra sy Sidona ireo asa mahagaga ijay natao teto aminareo, die efa ela no nivavaka tamin'ny lamba fisôrana sy lakevogna areo. 22Nefa mbola ho moramora ny an'ny Tyra sy Sidona amin'ny andron'ny fitsarana mihôtra noho ny anareo.23Anareo, ry Kapernaomy, mihevitra ve anareo fa hasandratra agny an-dagnitre? Tsia, hindao hidigna agny amin'ny helo anareo. Satria laha tagny Sodoma no natao ireo asa mahagaga ijay namboarina teto aminareo,die mbola ho tavela ijany mandrak'ijao.24 Nefa milaja aminareo Iaho fa ho mora kokoa ho an'ny tanin'i Sodoma ny andron'ny fitsarana noho ny hôminareo."25Tamin'ijany fotôgna ijany Jesôsy nijaka hoe: " Midera Anao Iaho, ry Ray, Tompon'ny lagnitra sy ny tane, satria Anao no namony ireo raha ireo tamin'ny hendry sy ny mahalala, ary nagnambara ireo tamin'ireo ijay tsy mahafantatre, hôtrany ireo jaja bitike.26 Eka, ry Ray, satria ijany die nahafinaritre teo amasonao. 27Ny raha manontolo nankinina taminahe die avy amin'ny Raiko; ary tsy misy mahalala ny Janaka hafa-tsy ny Ray ary tsy misy mahafantatra ny Ray hafa-tsy ny Janaka, sy ijay fidian'ny Janaka hagnambarana Anajy.28Mandehana aminaha atoy, anareo manontolo ijay miasa sy mitondra mavesatre, die omeko fegnenana anareo. 29Andôsy ny ziogako ary menara aminahe, fa malemy fagnahy sy manetry tegna am-po Aho, die hahita fitsaharana hôn'ireo fagnahinareo anareo. 30Fa mora ny ziogako ary mevagna ny entako."
Chapter 12

1Tamin'ijany fotôgna ijane Jesôsy nienga namakivaky ny tanimbare tamin'ny andro Sabata. Mosaregna ireo mpianatrane ka nanomboke nila salohim-bare die nihinanana ireo. 2Nefa laha hitan'ireo Fariseo ijane, die hoy areo tamin'i Jesôsy hoe: "Jahay, ireo mpianatrao magnano ijay tsy ara-dalàna ny magnano an'aje amin'ny Sabata."3Fa jesôsy nijaka an-dreo hoe: "Mbôla tsy nivakinareo mihitsy ve ny raha namboarin'i Davida, laha te hinagna ijy, sy ireo lelahy abiaby niaraka tamin'aje?4 Niditre tao amin'ny tragnon'Andriamanitra ijy ary nihinagna ny mofon'ny fagnatrehena, ijay tsy ara-dalàna hôn'aje laha hanina ary tsy ara-dalàna hôn'ireo ijay niaraka tamin'aje, nefa ara-dalàna hôn'ny lohan'ny mpisorona rerike mandy.5Tsy mbôla nivakinareo ve ny ao amin'ny lalàna, fa amin'ny sabata ireo mpisorona ao an-tempoly die magnota ny Sabata nefa tsy manan-tsigny? 6Kanefa vorianiako aminareo fa eto ny raike makadiry loholoho ny tempoly.7Laha fantatrareo ny hevitry ny hoe: "Famindram-po no iriko fa tsy sorona,' die tsy nagnameloke ny tsy manan-tsigny anareo.8 Fa ny Janak'olo no tompon'ny Sabata."9Avy teo Jesôsy nienga tao ka niditre tao amin'ny synagogan-dreo. 10Igne, nisy lelahy ijay malemy tàgnana teo. Nagnontany an'i Jesôsy ireo Fariseo, nagnano hoe: "Ara-dalàna ve ny magnasitragnana amin'ny Sabata?" mba hagnelohan-dreo an'Aje amin'ny fahotana.11Hoy Jesôsy tamin-dreo hoe: "Olo ija eo aminareo, ija, laha ondry raike fotsine no anagnane, ka laha latsake agnaty lavake laligna ilay ondry amin'ny Sabata, no tsy hanambotre an'aje ary tsy hampiakatre an'aje?12 Tsy manan-danja mihôtre lavitra, ve, ny olo loholoho ny ondry! Ka noho ijane die ara-dalàna ny magnano soa amin'ny andro Sabata."13Avy teo hoy Jesôsy tamin-dralelahy hoe: "Ampary ny tagnanao." Die namparine ijane, ka nipody ny fahasalamane, hôtrany tagnane ilane. 14Fa nivôke ireo Fariseo ka nitetika ny hamono an'Aje. Nandremby hevitre ny amin'ny mety hamonôna an'Aje areo.15Laha nahalala ijane Jesôsy, die nienga teo Ijy. Olo rahabe no nagnarake an'Aje, ary nositragnine ijy abiaby. 16Die nandidy an-dreo Ijy mba tsy hampahafantatre an'Aje amin'ny hafa, 17mba hahatanterake, ijay efa natoro tamin'ny alàlan'Isaia mpaminany, magnano hoe:18"Jahay, ny mpanompoko ijay nifidiko; ry ilay malalako, ijay sitrakin'ny fagnahiko loholoho. Hatobokako ao amin'ny fagnahiko, ary hagnatoro ny fitsaràna amin'ny Jentilisa ijy.19Tsy hifamaly na hangaike mahare ijy; ary tsy hisy olo haharegny ny feone egne an-dalàgna. 20Tsy hanapake ny volotara torotoro ijy; tsy hamono ijay lahin-jiro magnentogna, mandra-pamboarane ny rarine ho fandresena, 21ary amin'ny agnarane no hanagnan'ireo Jentilisa fagnantenana."22Avy teo nisy olo pôke sy môgna, nitobohan'ny demonia, nindôsina tamin'i Jesôsy teo. Nisitragnine ijy, vokatr'ijane die nijaka sy nahita ilay môgna.23 Jendagna ireo fokon'olo abiaby ka nijaka hoe: "Mety io lelahy io ve no Janak'i Davida?"24Kanefa laha naharegny ijany fahagagana ijane ireo Fariseo, die hoy areo hoe: "Io lelahy io die tsy mamôke demonia laha-tsy amin'ny alàlan'i Beljeboba, lehiben'ny demonia."25 Kanefa fantatr'i Jesôsy ny eritreritran-dreo ka nijaka an-dreo ijy hoe: "Ny fanjakana abiaby miady an-dragno die tsy haharitre, ary ny tanàna na tragno abiaby miady an-dragno die ho rava.26Laha mamôke satana ny satana, die miady an-dragno ijy. Aôna noho ijane no hitsanganan'ny fanjakane? 27Ary laha mamôke ireo demonia amin'ny alàlan'i Beljeboba Iaho, die amin'ny alàlan'ija ijane no androahan'ny janakareo an-dreo? Noho ijane antony ijane die ho mpitsaranao areo.28Kanefa laha mamôke ireo demonia amin'ny alàlan'ny Fagnahin'Andriamanitra Iaho, die efa avy aminareo ny Fanjakan'Andriamanitra.29 Amin'ny fomba aôna no ahafahan'olo miditra ao an-dragnon'ny lelahy mahery ary mangala ireo fanagnane laha tsy hifatorana alohake ilay lelahy mahere? Avy teo hangala ireo fanagnane ao an-dragnone ijy.30 Ijay tsy momba an'Ahe die manohitra an'Ahe, ary ijay tsy mitambatre miaraka amin'Ahe die miparitake.31Noho ijane vorianiko aminareo fa, ho vôvela heloke ny olo amin'ny fahotana sy fijakan-dratsy abiaby, fa ny fijakan-dratsy amin'ny Fanahy Masina die tsy hajahôna famelan-keloke. 32N'ija n'ija mijaka manohitre ny Janak'Olo, die ho vôvela ijy. Fa n'ija n'ija mijaka manohitre ny Fanahy Masina, die tsy ho vôvela ijy, na amin'ijao fiaignana ijao, na amin'ijay ho avy.33Atôvy tsara ny hajo die hisy vône tsara ijane, na atôvy ratsy ny hajo die hisy vône ratsy ijane, fa fantatre amin'ny vône ny hajo.34 Anareo taranaky ny menaragna, satria ratsy fagnahy anareo, ka aôna no afahanareo mijaka raha tsara? Fa avy amin'ny haben'ny ao am-po no ijakan'ny vavane. 35Ny olo tsara avy amin'ny harena tsara ao am-pone die mamokatra ijay tsara, ary ny olon-dratsy avy amin'ny harena ratsy ao am-pone die mamokatre ijay ratsy.36Vorianiko aminareo fa amin'ny andron'ny fitsarana die hagnontaniena amin'ny jaka tsy vôhevitre nivorianine aby ny olo. 37Fa ny jakanao no hagnamarinana anao, ary ny jakanao no hagnamelohana anareo."38Avy teo nisy mpanora-dalàna sy Fariseo sarasaragne namaly an'i Jesôsy ary nijaka hoe: "Ry Mpampianatra, magniry ny hahita famantarana avy aminao ahay." 39Fa namaly Jesôsy ary nijaka an-dreo hoe: "Misy taranake ratsy fagnahy sy mpijangajanga mandremby famantarana. Kanefa tsy misy famantarana omena an'aje afa-tsy ny famantaran'i Jaona mpaminany. 40Fa hôtran'i Jonah ijay telo andro sy telo aligna tao an-trokan'ny trondro makadiry, die ho hôtran'ijay koa no hitobohan'ny janak'olo telo andro sy telo aligna ao agnatin'ny tany.41Ireo olon'i Ninive die hitsangagna eo amin'ny fitsarana miaraka amin'itiky taranaka itiky ary hagnameloke ijane. Fa nibebaka areo tamin'ny toritenin'i Jaonah, ary indro, misy olo makadiry noho jaonah eto.42Ny mpanjakaviavin'ny atsimo die hiara-hitsangagna amin'ireo lelahin'itiky taranaka itiky amin'ny andron'ny fitsarana ary hagnameloke ijane. Tonga avy amin'ny faran'ny tany tany ijy mba hiheno ny fahendren'i Solomona, ary indro, misy olo makadiry noho Solomona eto.43Laha nisy fagnahy ratsy nienga tao amin'ny lelahy raike, die mandalo tany karakaina ijy ary miremby fitsaharana, nefa tsy mahita ijane. 44Ijane die mivoria hoe: "Hipody agny amin'ny tragnoko ijay neviako iaho.' Ary nony avy, die nahita fa vôfafa ny tragno ary nilamigna. 45Avy teo die nandeha ijane ary nitondra fagnahy ratsy fito niaraka tamin'aje ijay ratsy loholoho an'aje, ka niditre nonigna tao ijy abiaby. Avy teo niha-ratsy loholoho ny vôlohane ny fefaran'ijane lelahy ijane. Ary ho hôtran'ijane koa ny amin'itiky taranaka ratsy fagnahy itiky."46Laha mbôla nijaka tamin'ireo fokon'olo Jesôsy, die ireo, iendrine sy ireo rahalahine nitsangagna tagny ivelane, nandremby hivoria amin'aJe. 47Nisy olo raike nijaka tamin'Aje hoe: "Jahay, iendrinao sy ireo rahalahinao mitsangagna ao ivelane, mandremby hivoria aminao."48Fa namaly Jesôsy ary nijaka tamin'ilay nijaka an'Ajy hoe: "Ija iendriko ary ija ireo rahalahiko?"49 Avy teo namparine tamin'ireo mpianatrane ny tagnane ary nijaka hoe: "Jereo, ireto iendriko sy ireo rahalahiko!50 Fa ijay magnano ny sitrapon'Iabako ijay agny an-dagnitre, die ijane olo ijane no rahalahiko, sy ny anakaviko, ary iendriko."
Chapter 13

1Tamin'ijane andro ijane Jesôsy nienga nivôka ny tragno ary nitoboke teo amoron'ny ranomasina. 2Nisy fokon'olo rahabe nivorovoro nagnodidigna an'Aje, ka die niditre tao an-sambokely Ijy ary nitoboke tao amin'ijane, laha nitsangagna teo amoron-dranomasina koja ny fokon'olo abiaby.3Avy teo Jesôsy nivoria raha rahabe tamin-dreo tamin'ny alalan'ny fagnoharana. Hoy Ijy hoe: ''Igne,nisy mpamboly raike nienga nivôke hamafy voa. 4Laha ijy namafy igne, die nisy voa saragne latsake tegne amoron-dàlagna, ary avy ireo vorogna ka nihinagna ireo. 5Ireo voa hafa indraike die latsake tegne amin'ny tany be vato, ijay tsy najahôn'ireo nofon-tany tsara. Avy hatragne die nitsiry ireo, satria tsy laligna ny tany. 6Fa laha niposaka ny masoandro, die maigna ireo satria tsy nisy vahane, ary die nalajo.7Nilatsake teo amin'ny tsilo ireo voa hafa. Nitsiry ireo fantsy ary nangeja ajy ireo. 8Ireo voa hafa nilatsake tamin'ny tany tsara ary nisy vône, ny saragne avo jato heny,ny saragne enim-polo, ary ny saragne telo-polo. 9Ijay manan-tadigny, ôka ijy hiheno.''10Avy ireo mpianatra ary nijaka an'i Jesôsy hoe: ''Nagnino Anao no mivoria amin'ireo fokon'olo amin'ny alalan'ny fagnoharana?''11 Namaly Jesôsy ary nijaka an-dreo hoe: ''Anareo no nomena tombone hahalala ireo raha-mivonin'ny fanjakan'ny lagnitre, fa hôn-dreo die tsy nomena ijane. 12Satria n'ija n'ija managna, die ho be loholoho aja ny homena. Fa n'ija n'ija koja tsy managna, na ijay hanagnane aja halaina amin'aje.13Ijane no antone hivorianako amin-dreo amin'ny alalan'ny fagnoharana: Na die mijaha aja areo, die tsy mahita; ary na die miheno aja areo; die tsy maharegny, na mahajo. 14Amin-dreo ny faminanian'Isaia no tanterake, ijay mijaka hoe: ''Laha miheno die haharegny anareo, kanefa tsy hahajo mihitsy; laha mijaha die hahita anareo, kanefa tsy hahatakatre.15Fa nanjary donto ny fon'itiky fokon'olo itiky, ary mafy tadigny areo, ary napin-dreo ny masone, mba tsy hahita amin'ny mason-dreo, na haharegny amin'ny tadignin-dreo, na hahajo amin'ny fon-dreo, ka hibebake indraike areo, ary hagnasitragna an-dreo Iaho.''16Fa sambatre ny masonareo, satria mahita; ary ny tadigninareo, satria maharegny. 17Vorianiko marina aminareo fa mpaminany sy olo-marina rahabe no nagniry ny hahita ireo raha ijay hitanareo, kanefa tsy nahita an'ireo. Nagniry ny haharegny ireo raha ijay regninareo areo, kanefa tsy naharegny an'ireo.18Ka mihenoa ary ny fagnoharana ny amin'ny mpamboly raike ijay namafy ny vône. 19Laha misy maharegny ny jakan'ny fanjakana kanefa tsy mahajo ijane, die avy ilay ratsy ary nagnongotre ijay nafafy tao am-pone. Io ilay voa nafafy tegne amoron-dàlagna.20Ilay nafafy tegne amin'ny tany be vato die ny olo ijay maharegny ny jaka ary avy hatragny die mandray an'ajy am-pifaliena, 21kanefa tsy mbola miorim-paka ao agnatine ijy ary die maharitre vetivety mandy. Laha avy ny fahoriana na ny fagninjehana nohon'ny amin'ny jaka, die malaky tafatohigna ijy.22Ilay nafafy tegne amin'ny fantsy, io die ny olo ijay maharegny ny jaka, kanefa ny fiahiahian'ijao tontolo ijao sy ny fitaky ny harena no mangeja ny jaka, ary die nanjary tsy mamoy ijy. 23Ilay nafafy teo amin'ny tany tsara, io ny olo ijay maharegny ny jaka ary mahajo ijane. Mamoy vônkajo ijy ary mahalasa ny voa raike, hagnome avo jato heny mihôtra ijay nambolena, ny saragne enim-polo, ny saragne, avo telo-polo heny.''24Nagnaseho fagnoharana raike hafa tamin-dreo Jesôsy. Hoy Ijy hoe: ''Ny fanjakan'ny lagnitre die hôtran'ny lelahy raike ijay namafy ny voa tsara tao amin'ny sahane. 25Fa laha natory igne ny olo, die avy ny fahavalone ary namafy vôn-tsiparifary mandy koa tao amin'ireo vary ary nienga.26 Laha nitsiry ireo vary ary avy teo namokatre ireo vône, die nipoitre mandy koa ireo vôn-tsiparifary.27Avy ireo mpanompon'ny tompon-tany ary nijaka tamin'ajy hoe: ''Tompoko, tsy namafy voa tsara tao amin'ny sahanao ve anao? Nagnino ijy amin'ijao fotôgna ijao no misy vôn-tsiparifary?'' 28Hoy ijy tamin-dreo hoe: ''Nisy fahavalo nagnano ijane.'' Hoy ireo mpanompo tamin'ajy hoe: ''Ka tianao ve ny handihananay magnongotre ajy ireo?''29Ilay tompon-tany nijaka hoe: ''Tsiare. Satria laha magnongotre ireo tsimparifary anareo, die mety hagnongotre ny vahan'ireo vary miaraka amin'ireo koa. 30Abilay hiara-haniry ijy roe hatramin'ny filejana. Amin'ny fotôm-pambilejana die hijaka amin'ny mpambely iaho hoe: ''Alay alohake ireo ahi-dratsy ary fihejo ho fehy maromaro mba hagnorôna ajy ireo, fa avorio ao amin'ny tragnambo koja ireo vary.''31Avy teo Jesôsy nagnaseho fagnoharana raike hafa tamin-dreo. Hoy Ijy hoe: ''Ny fanjakan'ny lagnitre die hôtran'ny vôntsinapy ijay nalain'ny lelahy raike ary nafafine teo amin'ny sahane. 32Io voa io tokôtre no voa kitike indrindra amin'ny voa hafa abiaby. Fa laha nitsiry ijane, die makadiry noho ireo raha-mitsiry ao amin'ny saha. Nanjary hajo ijane, mba hevian'ireo vorognan'ny habakabake ary hagnano ny tragnon-dreo eo amin'ireo rantsagne.''33Avy teo Jesôsy nivoria fagnoharana raike hafa. ''Ny fanjakan'ny lagnitre die hôtran'ny lalovay ijay nalain'ny viavy raike ary nafangarone tamina lafarinina intelo fagnaranana mandra-piakatry ny foto-koba manontolo.''34Fagnoharana no nagnambaran'i Jesôsy ireo raha-abiaby ireo tamin'ny fokon'olo; ary tsy nivoria n'ino n'ino tamin-dreo hafa-tsy tamin'ny fagnoharana Ijy. 35Ijane die mba hahatanteraka ijay nijakaina tamin'ny alalan'ny mpaminany, laha nijaka Ijy hoe: ''Iaho die hilô-bava amin'ny alalan'ny fagnoharana. Hijaka raha ijay navony hatr'ijay namorognana ijao tontolo ijao Iaho.''36Avy teo Jesôsy nandao ireo fokon'olo ary negnao an-dragno. Negneo amin'Ajy ireo mpianatrane ary nijaka hoe: ''Ajavay aminay ny fagnoharana mahakasika ilay tsimparifarin'ny saha.'' 37Namaly Jesôsy ary nijaka hoe: ''Ilay namafy voa tsara die ny Janak'Olo. 38Ny saha die ijao tontolo ijao; ary ny voa tsara, ireo no janaky ny fanjakana. Ny tsimparifary die ireo janak'ilay ratsy, 39ary ny fahavalo ijay namafy ajy ireo die ny devoly. Ny fambilejana die ny fefaran'ijao tontolo ijao, ary ny mpambely die ireo anjely.40Noho ijane, hôtran'ny amoriana sy agnorôna ireo tsimparifary amin'ny afo, no amboarina koa amin'ny fefaran'ijao tontolo ijao.41 Hagnirake ireo anjeline ny Janak'Olo, ary havorin-dreo hiala amin'ny fanjakane ireo raha abiaby ijay mahatonga fahotana, sy ireo ijay magnano ratsy.42 Hatilin-dreo ao amin'ny lafôro makadiry mirehitra afo areo, ijay hisy fitomagniana sy fikotroha-nify. 43Avy teo hamiratre hôtran'ny masoandro ao amin'ny fanjakan'Iaban-dreo ny olo-marina. Ijay manan-tadigny, ôka ijy hiheno.44Ny fanjakan'ny lagnitre die hôtran'ny harena ijay misitrike ao amin'ny saha raike. Nisy lelahy nahita ijany ary nasitrikane. Nandeha tamin'ny hafaliana ijy, nivarotre ijay abiaby nanagnane, ary nividy io saha io. 45Ary koa, ny fanjakan'ny lagnitre die hôtran'ny lelahy ijay mpivarotre mandremby voangy lafo vidy. 46Laha nahita voangy raike ijay tena lafo vidy ijy, die nienga ka nivarotre ijay abiaby nanagnane ka nividy ijane.47Ary koa, ny fanjakan'ny lagnitre die hôtran'ny harato ijay natily tagne an-dranomasina, ary nagnavory ireo karajan-draha-managn'aigna abiaby. 48Laha feno ijany, die nisintognin'ireo mpagnarato ho eo amoron-dranomasina. Avy teo areo nitoboke ka nagnavory ireo raha tsara ho ao amin'ny toerane, fa ireo raha tsy ilaina koja narian-dreo.49Ho hôtran'ijane amin'ny fefaran'ijao tontolo ijao. Ho avy ireo anjely ary hagnasarake ireo ratsy fagnahy amin'ireo marina. 50Hatilin-dreo ao amin'ny fandorôna makadiry mirehitra afo areo, ijay hisy fitomagniana sy fikotroha-nify.51Ajonareo ve ijany raha abiaby ijane? Hoy ireo mpianatrane tamin'Ajy hoe: ''Ieka''. 52Avy teo Jesôsy nijaka tamin-dreo hoe: ''Noho ijane ny mpanora-dalàna abiaby ijay nanjary mpianatre eo amin'ny fanjakan'ny lagnitre die hôtran'ny lelahy tompon-tragno raike, ijay mamoaka ireo raha hambo sy ireo raha vaovao avy ao amin'ny harenane.'' 53Avy teo laha nahavita ireo fagnoharana ireo Jesôsy, die nienga tamin'ijane toerana ijane Ijy.54Avy teo Jesôsy niditre tao amin'ny tanine manokagna ary nampianatre ireo fokon'olo tao amin'ny synagogan-dreo. Vokatr'ijane die varegna areo ary nijaka hoe: ''Avy aja no ajahôn'itiky lelahy itiky ny fahendrena sy ireo fahajendagnana ireo? 55Tsy io lelahy io ve no janak'ilay mpandrafitre? Tsy Maria ve no angehana an'iendrine? Tsy Jakoba, Josefa, Simona, ary Jodasy ve ny rahalahine? 56Tsy miaraka amintsena ve ireo anakavine abiaby? Avy aja no najahône ireo raha abiaby ireo?57Tohigna nohon'ny amin'Aje areo. Fa hoy Jesôsy tamin-dreo hoe: ''Tsy misy mpaminany tsy misy hajane laha tsy ao amin'ny fireneny sy ao amin'ny havane mandy.'' 58Tsy die nagnano fahajendagnana be tao Ijy nohon'ny tsy finoan-dreo.
Chapter 14

1Tamin'ijay fotoana izay, Heroda mpanapaka naharegny ny vaovao momba an'i Jesôsy. 2Hoy ijy tamin'dreo mpanompony hoe: ''I Jaona mpanao batisa ijany; nitsangana tamin'ny maty ijy. Noho ijany die miasa ao aminajy ireo hery reo.''3Fa Heroda nanambotre an'i Jaona, namatotra ajy, die nandefa ajy tany an-mezigna noho i Herodiasy, vadin'i Filipo ralahiny. 4Fa hoy Jaona taminajy hoe: ''Tsy ara-dalana ho anao ny manana ajy ho vadinao.'' 5Nikady ny hamano anajy Heroda, feny nangoaigna an'ny fokonolo ijy, satria niresin-dreo hôtran'ny mpaminany ijy.6Fa rehefa tonga ny fiveregnan'ny andro nahaterahan'i Heroda, die nandihy teo afovôn'ny vahiny nasaina ny janaka vavin'i Herodiasy ka nahafinaritra an'i Heroda.7 Ho setrin'ijany, die nampagnategna tamin'ny fiainanana ijy ny hagnome ijay hangatahiny na ino na ino.8Rehefa avy notoroan'ny endriny marika, die hoy ijy hoe: ''Omeo anahy eto, ambonin'ny lovia, ny lohan'i Jaona mpanao Batisa.''9 Nalahelo mafy nohon'ny fangatahany ny mpanjaka, feny nohon'ny voadiny sy noho areo manontolo nihinana niaraka taminajy, die nagnome beko ijy fa tokony ho vita ijane.10Nagnirake ka nanapake ny lohan'i Jaona tao an-tragnomezigna ijy.11 Avy eo nindôsina tamin'ny lovia ny lohane die nomena ny jajavavy die nindôsine teo amin'ny endrine ijany. Avy eo die tonga ny'mpianane,12 nangala ny'fate, die nandevigna ijany. Tafaran'ijany, die nandeha areo die nilaza tamin'i Jesôsy.13Die rehefa naharegny ijany Jesôsy, die nenga avy teo tamina sambokely raike ijy hegnany amina toerana mitokana raike. Rehefa naharegny anijany ny fokonolo , die nagnarake Anajy an-tongotre avy tagny amin'ny tanàn-dehibe. 14Avy eo Jesôsy nendeha anatrehan'dreo die nahita ny fokonolo rahabe. Nangoraka andreo Ijy die nagnafake ny aretin'dreo.15Rehefa tonga ny hariva, die nandeha aminaje ny mpianatre die nijaka hoe: ''Ity die toerana fôgna, die efa tapitre sahady ny andro. Alefao ny fokonolo, mba hahafan'dreo mandeha agny amin'ny tanàna die hivanga hanina ho an'ny tegnan'dreo.''16Fa Jesôsy nijaka andreo hoe: ''Tsy mila mandeha lavitre areo. Omenareo raha hanina areo.'' 17Hoy andreo tamanajy hoe: ''Mofo dimy sy hazandrano roa mandy no agnananay eto.'' 18Hoy Jesôsy hoe: ''Indôsy aty aminahy ijany.''19Avy eo Jesôsy nibaiko ny fokonolo mba hidoboke eo amin'ny ahitre. Nalainy ny mofo dimy sy hazandrano roa. Niandrandra tany an-dagnitre, die nisaotre Ijy dia nanapake ny mofo ko nomeny ny mpianantre, die ny mpianatra nagnome ijany ho an'ny fokonolo.20 Nihinagna aby ijy manontolo die voky. Avy eo die navorin'dreo ny sisan'ny poti-kanina ka nahafeno roambinifolo tanty.21 Teo amin'ny dimy arivo lahy teo ny nihinana, ankôtre ny zaza amam-bevavy.22Tonga die nampadihanine nenga amin'ny sambokely die handeha heloha Anajy ho egny ampita ny mpianany, raha mbola nandefa ny fokonolo Ijy. 23Tafaran'ny nandefasane ny fokonolo, die nandeha niakatre tegny an- tendrombohitre rerike Ijy mba hivavake. Rehefa tonga ny hariva, die irerike teo Ijy.24 Die ny sambo die efa dikatre lavitra ny tanety, natopatopakan'ny onja, satria nitsoka nanohitre andreo ny rivotre.25Tamin'ny fiambenana fahefatr'alina die nagnotogna andreo Jesôsy, nandeha tegny ambony ronomasina. 26Rehefa nahita Ajy nandeha tegny ambony ranomasina ny mpianatra, die nangoaigna ka nijaka hoe: ''Angatre io,''ary die kokoke tamin'ny fahangoaignana areo. 27Fa Jesôsy tonga die nijaka tamin'dreo hoe: ''Mahereza! Iaho toy! Aja mangoaigna.''28Namaly Anaje Petera ka nijaka hoe: ''Tompo, laha Anao io, dia atôvy magnatogna Anao egny ambonin'ny raho iaho.'' 29Hoy Jesôsy hoe:"Magnatogna" Koa die niala avy tao amin'ny sambokely Petera die nandeha teo ambony rano mba hanatona an'i Jesôsy.30 Fa rehefa nahita ny rivotra Petera, die lasa nangoaigna. Raha iny ijy nanomboka nilentika iny, die nikoke mafy ijy sady nijaka hoe: ''Tompo vonjeo iaho!''31Tonga die nagnapatre ny tànany, Jesôsy nitajogna an'i Petera, die nijaka taminajy hoe: ''Anao ry kely finoana, fa magnino anao no niahiahy?''32 Avy eo Jesôsy sy Petera nandeha nihazo ny sambokely, nijonona nitsoka ny rivotra.33 Avy eo ny mpianatre tao agnaty sambokely nidera an'i Jesôsy die nijaka hoe: ''Anao tegnane no Janak'Andriamanitre.''34Rehefa avy nempita areo, die to ga tegny an-tanety tao Genesareta. 35Rehefa nahafantatre an'i Jesôsy ny lelahy tao amin'ijany toerana ijany, die nandefa hafatre tegny amin'ny faritra magnodidigna aby, die nindôsin'dreo teo Aminajy ijay olona narary manontolo. 36Nitalaho Taminajy andreo mba hahafan'dreo mikasika ny moron'akanjony fotsiny mandy, die rahabe areo nikasika ijany ka nahafake.
Chapter 15

1Avy teo nisy Fariseo sy mpanora-dalàna sarasaragne avy agne Jerosalema nagnantogna an'i Jesôsy. Hoy areo hoe:2 ''Nagnino ireo mpianatrao no tsy magnarake ny fomban-drajagn'ireo jok'olo? Fa tsy manasa ny tagnane areo alohakan'ny hihinagna.''3 Namaly Ijy ary nijaka tamin-dreo hoe: ''Ka nagnino ary anareo no tsy magnarake ny lalàn'Andriamanitra nohon'ny fomban-drajagnareo?4Fa Andriamanitra nijaka hoe: ''Hajay iabanao sy iendrinao'' ary ''Ijay miteny ratsy an'iabane na iendrine, die ho faty tokôtre.''5 Fa anareo mijaka hoe: ''N'ija n'ija mivoria amin'iabane na iendrine hoe: ''N'ino n'ino fagnampiena ijay ajonareo avy amin'ahe die fagnomejana hôn'Andriamanitra amin'ijao fotôgna,'' 6ijane olo ijane die tsy mila magnaja an'iabane. Amin'ijane fomba ijane die nifoagnanareo ny jakan'Andriamanitra noho ny tombotsoan'ireo fomban-drajagnareo.7Ry mpetsaravelatsihy! Marina ny faminanian'Isaia mahakasika anareo laha nivoria ijy hoe:8 ''Itiky fokon'olo itiky die magnaja an'ahe amin'ny molotran-dreo, fa ny fon-dreo die lavitra an'ahe. 9Tsy misy dikane ny fiderana an'ahe, satria areo die mampianatre ny didin'olombelogna hôtran'ny fampenaran-dreo.''10Avy teo nangaike ny fokon'olo hômin'Ajy eo Ijy ary nijaka tamin-dreo hoe: ''Mitenoa ka majahoa- 11Tsy ny miditre ao am-bavan'olo no mandoto ny olo. Fa koja, ijay avôkan'ny vava, no mandoto ny olo.''12Avy teo nagnantogna ireo mpianatre ary nijaka tamin'i Jesôsy hoe: ''Moa ve fantatrao fa tohigna ireo Fariseo laha naharegny ijane jaka ijane?'' 13Jesôsy namaly ka nijaka hoe: ''Ireo raha-mitsiry ijay tsy nambolen'Iabako agne an-dagnitre die hifongorina aby. 14Abilay areo ho eo, areo die mpitarika jamba. Laha misy olo pôke raike mitarike pôke raike hafa, die samby hivarigna an-davake ijy roe.''15Petera namaly ka nijaka tamin'i Jesôsy hoe: ''Ajavay aminay ijane fagnoharana ijane.''16 Hoy Jesôsy hoe: ''Tsy manam- pahalalana mandy koa ve anareo?''17 Tsy hitanao ve fa ijay miditre amin'ny vava die megnao an- troke ary avy teo die havôke agne amin'ny kabone?18Fa ireo raha ijay avôkan'ny vava die avy amin'ny fo. Ireo raha ireo no mandoto ny olo raike. 19Fa avy amin'ny fo no ivoahan'ny sain-dratsy, ny von'olo, ny fijangajangana, ny fangalam-badin'olo, ny halatre, ny fijorôna vavolombelogna tsy marina, ary ny fijakàn-dratsy. 20Ireo raha ireo no mandoto ny olo raike. Fa ny mihinagna amin'ny tagnana tsy misasa die tsy mandoto ny olo raike.''21Avy teo Jesôsy nienga teo ka nipody tagne amin'ny faritanin'i Tyro sy Sidona. 22Igne, nisy viavy Kananita raike avy amin'ijane faritra ijane. Nangaike mahare ijy ary nijaka hoe: ''Mamindrà fo amin'ahe, ry Tompo, Janak'i Davida ô! Ny janako viave die ampijalin'ny demonia mahare.'' 23Fa Jesôsy tsy namaly jaka an'aje. Nagnantogna ireo mpianatrane ka nengavy tamin'Aje, nagnano hoe: ''Roahy Ijy, fa mandregnina mahare amintsena.''24Fa Jesôsy namaly ary nijaka hoe: ''Tsy nirahina hôn'ija na ija Iaho afa- tsy hôn'ny ondry very ao amin'ny fianakavian'Israely.''25 Fa avy nangatake sy nenkohoke tamin'Ajy teo ijy, nagnano hoe: ''Tompo, vonjeo iaho.''26 Namaly Ijy ka nagnano hoe: ''Tsy rarine laha alaina ny mofon- jaja ka atily hôn'ny amboa.''27Fa hoy ijy hoe: ''Ieke, Tompo, fa na die ny amboa aja mba mihinagna ijay potipotikane latsake avy amin'ny latabatry ny tompone.''28 Die namaly Jesôsy ary nijaka tamin'aje hoe: ''Raviave, makadiry ny finônao; ho tanteraka aminao anie ijane araka ijay irinao.'' Die nahafake ny janagne viave tamin'ijane lera ijane.29Nienga teo Jesôsy ka negnegne akekin'ny ranomasin'ny Galilia. Avy teo die nagnanike tegne an- tendrombohitra raike Ijy ka nitoboke teo. 30Fokon'olo rahabe no nagnantogna an'Aje. Nindôsin- dreo miaraka tamin-dreo ny mandringa, ny pôke, ny môgna, ny kilemaina, ary ny marary rahabe hafa koa. Natobokan-dreo teo an- tongotr'i Jesôsy ireo; ka die nitsaboine.31 Ka die varegna ny fokon'olo laha nahita ireo môgna mijaka, ny kilemaina sitragna, ny malemy afake mandeha, ary ny pôke mahita. Nankalaja ny Andriamanitr'Israely areo.32Nangaike ireo mpianatrane mba hagnantogna an'Aje Jesôsy ary nijaka hoe: ''Malahelo ireo fokon'olo Iaho, satria efa telo andro sahady areo no nitoboke niaraka tamin'Ahe nefa tsy manan- kohanina. Tsy te hampenga an-dreo tsy mihinagna Iaho, sôde mety ho toragna egne an-dàlagna egne.'' 33Hoy ireo mpianatre tamin'Aje hoe: ''Aja no hahitanay mofo sahaja sy ampy ireo fokon'olo rahabe ireo atiky agn'efitre?'' 34Hoy Jesôsy tamin- dreo hoe: ''Mofo firy ny agne aminareo? Ary hoy areo hoe: ''Fito, sy trondro madinike vitsy.''35 Avy teo Jesôsy nijaka ny fokon'olo mba hitoboke amin'ny tany.36Nandray ny mofo fito niaraka amin'ny trondro Ijy, ary laha nisaotre, die nanilake ny mofo ka nagnome ireo hôn'ireo mpianatre. Ireo mpianatre nagnome hôn'ny fokon'olo. 37Nihinagna ka afa- po ny fokon'olo abiaby. Avy teo areo namory tanty fito feno potipotikane ijay tsy lany. 38Ireo ijay nihinagna die efatr'arivo lahy, tsy ao agnatine ny jaja sy ny viave. 39Avy teo Jesôsy nampody ny fokon'olo ka niondragna an-sambokely ary die negnagne amin'ny faritr'i Magadana.
Chapter 16

1Avy ireo Fariseo sy Sadoseo ary nitsapa an'Ajy ka nangatake an'Ajy mba hagnabôke an'ajy ireo famantarana avy any an-dagnitra.2 Fa ijy namaly ary nijaka an-dreo hoe:" Laha tsondrogn'andro, die hoy anareo hoe: 'Ho tsara ny andro, fa mena ny lagnitre.'3Laha maraigna, die hoy anareo hoe:' Ho ratsy ny andro, fa mena sy manjombogna ny lagnitre.' Hainareo ny mamantatre ny endriky ny lagnitre, fa anareo tsy afaka mandika ireo famantarana ny fotôgna. 4Ny taranaka ratsy sy mpijangajanga die mandrembe famantarana, fa tsy hisy famantarana homena an'ajy ankôtre ny famantaran'i Jôna.'' Avy eo Jesôsy nandao an-dreo ka lasa.5Laha avy tegny agnilany ireo mpianatre die tsy tsaroan-dreo ny nitondra mofo. 6Hoy Jesôsy tamin-dreo hoe:'' Miambena ary mitandrema amin'ny masirasiran'ireo Fariseo sy Sadoseo.''7 Niady hevitra ireo mpianatra ka nijaka hoe:'' Noho an-tsena tsy nitondra mofo ijany''. 8Jesôsy nahafantatra an'ijany ka nijaka hoe:'' Anareo ry kely finôna, nahôna anareo no miady hevitra aminareo ka nijaka fa nohon'ny tsy nitondranareo mofo ijany?9Mbola tsy fantatrareo na tsaroanareo ve ny mofo dimy ho an'ny dimy arivo, ary tanty firy no navorinareo? 10Na ireo mofo fito ho an'ireo efatr'arivo, ary tanty firy no nalainareo?11Ahôna no tsy ajahoanareo fa tsy momban'ny mofo no nojakaiko anareo? Miambena ary mitandrema amin'ny masirasiran'ireo Fariseo sy Sadoseo.'' 12Avy eo ajon-dreo fa tsy hitandrigna amin'ny masirasiran'ny mofo no nojakainy an-dreo, fa hitandrigna ny amin'ny fampianaran'ireo Fariseo sy Sadoseo.13Ary laha avy tagny amin'ny faritre akekin'ny Kaisaria-Filipo Jesôsy, die nagnotany ireo mpianany Ijy, magnano hoe:'' Ataon'ny olo ho ija moa ny Janak'Olo?'' Hoy areo hoe:'' 14Ny saragny milaja fa Jaona mpanao batisa; ny saragne, Elia; ary ireo hafa, Jeremia, na raike amin'ireo mpaminany.''15 Hoy Ijy tamin-dreo hoe:'' Fa anareo koja manao an'ahy ho ija?16 Namaly, Simona Petera nagnano hoe:'' Anao no Kristy, Janak'ilay Andriamanitra velogna.''17Namaly Jesôsy ka nagnano tamin'ajy hoe:'' Sambatra anao, ry Simona Bar-Jona, fa tsy nofo sy ra no naneho ijany taminao, fa ny Abako ijay any an-dagnitra. 18Jakaiko aminao mandy koa fa anao no Petera, ary ambonin'ity vatolampy ity no hagnorenako ny fiangonako. Ny vavahadin'ny fasana die tsy haharesy ijany.19Homeko anareo ny fanalahidin'ny fanjakan'ny lagnitra. N'ino na ino fihejinao eto ambonin'ny tany die ho fihejina agny an-dagnitra, ary n'ino na ino vahanao ety an-tany die ho vahana any an-dagnitra.'' 20Avy eo Jesôsy nandidy ireo mpianatra fa areo die tsy tokony hilaja na amin'ija na amin'ija fa Ijy no Kristy.21Tamin'ijany fotôgna ijany Jesôsy nanomboke nijaka ireo mpianany fa tsy mentsy ho any Jerosalema Ijy, hizaka fijaliana rahabe eo an-tanan'ny loholona sy ny lohan'ny mpisorona ary ireo mpanora-dalàna, ho vonoina, sy hatsangagna indraike amin'ny andro fahatelo. 22Avy eo Petera nangala an'Ajy ka nijaka mahare an'Ajy, nagnano hoe:" Ho lavitre anao anie ijany, ry Tompo; tsy hitranga aminao mihintsy anie ijany.''23 Fa Jesôsy nitodike ka nijaka tamin'ny Petyera hoe:" Mialà agny ivohoko, ry satana! Anao die fanafintohinana ho an'Ahy, noho anao tsy miraharaha ireo rahan'Andriamanitra, fa ireo rahan'ny olo''.24Avy eo Jesôsy nijaka tamin'ireo mpianany hoe:"Laha misy te-hagnaraka an'ahe, die tsy mentsy mandà ny tegnany ijy, hitondra ny hajofijaliany, ary magnaraka an'ahe. 25Fa na ija na ija te-hamonjy ny ainy die hahavere an'ajy, ary na ija na ija no hahavere ny ainy nohon'ny amin'ahe, die hahajo ijany. 26Fa ino moa no soa ho ajon'ny olo laha mahajo ijao tontolo ijao kanefa very ny aigny? Ino no omen'ny olo ho takalon'ny aigny?27Fa ny Janak'olo die ho avy amin'ny voninahitry ny Rainy miaraka amin'ireo anjeliny. Avy eo Ijy hamaly soa ny olo kiraidraike araka ijay vitany. 28Jakaiko marina aminareo, fa misy saragne aminareo ijay mijoro eto no tsy hitsapa ny fahafatesana mandrapahitan-dreo ny Janak'Olo tonga amin'ny fanjakany.''
Chapter 17

1Enin'andro tatoy afara Jesösy die nangala an'i Petera, jakoba, sy Jaona rahalahiny niaraka tamin'ajy, ary nitondra an-dreo niakatra ny tendrombohitra avo tamin'ny tenan-dreo. 2Niova tarehy teo alohan-dreo Ijy. Namiratre hötran'ny masoandro ny tarehiny, ary ireo raha itafiany lasa namiratra hötran'ny hajavana.3Indro, niboke tamin-dreo Mosesy sy Elia nivoria tamin'ajy. 4Namaly Petera ary nagnano tamin'ny Jesösy hoe:" Tompo, tsara amintsena ny eto. Laha sitrakao, dia hagnano fialofana telo ho antsena eto iaho- raike ho anao, raike ho an'i Mosesy, ary raike ho an'i elia."5Laha mbola nijaka Ijy, Indro, nisy rahona majava nanarogna an-dreo, ary indro, nisy feo nivöke avy tao amin'ny rahogna, nagnano hoe:" Ity ny janako malalako, ijay sitrako tokötre. Tenoy Ijy." 6laha regnin'ireo mpianatra ijany, die lavo areo ary natahotre mafy. 7Avy eo avy Jesösy ary nikasika an-dreo ka nijaka hoe:'' Mitsangana ary aja matahotra." 8Avy eo die nijaha ambony areo fa tsy nahita na ija na ija afa-tsy Jesösy irery mandy.9Laha nijotso ny tendrombohitre areo, die nandidy an-dreo Jesösy, nagnano hoe: '' Aja mitatitra ijao na amin'ija na ija mandra-pitsangan'ny Janak'Olo amin'ny maty."10 Nagnotany an'Ajy ireo mpianany, nagnano hoe:" Nahöna ary ireo mpanora-dalàna no milaja fa elia die tsy maintsy ho avy aloha?"11Jesösy namaly ary nijaka hoe:" Elia die ho avy tokötre ary hamerigna amin'ny löniny ny raha abiaby. 12Nefa jakaiko aminareo, fa efa tonga Elia, fa areo tsy nahafantatre an'Ajy. Mifanohitre amin'ijany, nagnano ny raha abiaby ijay tiany natao tamin'ajy areo. Ary hötran'ijany mandy ko, ny Janak'Olo mandy koa die hijaly eo an-tanan-dreo. 13Avy eo die ajon-dreo mpianatra fa nijaka tamin-dreo ny momba an'i Jaona mpanao Batisa Ijy.14Laha tonga teo amin'ny vahöke areo, die nisy lelahy raike nagnatona an'Ajy, nandohalike teo alohany, ary nijaka hoe,15 ''Tompo, manàgna famindram-po amin'ny janako lahy, fa voan'ny androbe ijy ary mijaly mahare. Fa lavolavo matetike any agnaty afo na rano ijy. 16Nitondra an'ajy teo amin'ireo mpianatrao iaho, fa tsy afake nagnasitragna an'ajy areo.''17Namaly Jesösy ary nijaka hoe:" Ry taranaka tsy mpino sy simba toetra, mandra-pahoviana no tokony hipetrahako miaraka aminareo? Mandra-pahoviana no tsy maintsy ijakako miaraka aminareo? Indösy eto amin'Ahy ijy."18 Nijaka mahare ny demonia Jesösy, ka nivöke tamin'ajy ijany ary die sitragna tamin'ijany ora ijany ilay jajalahy.19Die nagnatona an'i Jesösy mangingina ireo mpianatra ary nagnano hoe:" Magninona no tsy nahefa namoake an'igny ahay?" 20Jesösy nijaka an-dreo hoe:" Noho ny finöna kelinareo. Fa jakaiko marina aminareo, laha managna finöna na die bitike hötrin'ny vötsinampy aja anareo, die afaka mijaka amin'ity tendrombohitra ity anareo hoe: " Mifindrà avy eto ho etsy," die hifindra ijany ary tsy hisy n'ino n'ino tsy ho hainareo atao. 21[Fagnamarihana: Ny dikan-teny taloha tsara indrindra die tsy ahitana ny hoe v.21.'' Fa itoy karajagna demonia itoy die tsy mivöke laha tsy miaraka amin'ny vavaka sy fifadian-kanina."]22Laha nipetrake tagny Galilia areo, die hoy Jesösy tamin-dreo mpianany hoe:' Ny Janak'Olo die hatolotre eo an-tagnan'ny olo,23 ary areo hamono an'Ajy, ary ny andro fahatelo die hatsangagna Ijy." Lasa nalahelo tanterake ireo mpianatre.24Laha tonga tagny Kapernaomy areo die nenga eo amin'ny Petera ireo lelahy ijay nagnangona ny hetra antsasaky ny sekely ary nijaka hoe:" Tsy mandoa hetra antsasaky ny sekely ve ny mpampianatrareo?"25 Hoy ijy hoe: '' ieke." Fa laha niditre tao an-dragno Petera, die Jesösy aloha no nivoria tamin'ajy ka nagnano hoe:" Ino no eritreritrao, ry Simona? Ireo mpanjaka eto an-tany, avy amin'ija no andresan-dreo hetra na hetran'olo? Avy amin'ireo vahöhany ve sa avy amin'ireo vahiny ?"26Laha nijaka Petera hoe:" Avy amin'ireo vahiny,'' die hoy Jesösy tamin'ajy hoe:" Die afaka amin'ny fandoavana ijany ireo vahöke.27 Fa mba tsy hampanotantsena ny mpamory hetra, die mandehana any amin'ny ranomasina, manipaja vintagna, ary alay ny laoke ijay miakatre völohany. Laha vösokatrao ny vavany, die hahita sekely anao. Alay ijany ary omeo ireo mpamory hetra ho an'ahy sy ho anao.''
Chapter 18

1Tamin'ijany fotôgna ijany mandy die tonga teo amin'ny Jesôsy ny mpianane ary nijaka hoe: "Ija no lehibe indrindra agny amin'ny fanjakan'ny lagnitra?"2 Jesôsy nagnatso jaja kele ho eo aminaje, nametraka anajy teo amin'dreo,3 ary nijaka hoe: "Lajaiko marina aminareo, fa laha tsy miova hôtran'ny jaja kely anareo, die tsy hisy hevitra ny hidiranareo agny amin'ny fanjakan'ny lagnitra.4Noho ijany, n'ija n'ija manetry tegna hôtran'itoy jaja kely itoy die lehibe indrindra ijy amin'ny lagnitra.5 N'ija n'ija mandray jaja kely hôtran'ijao amin'ny agnarako die mandray Anahy. 6Fa n'ija n'ija mahatonga raike amin'ny jaja madinika ito ijay mino Anahy hanota, die ho tsara kokoa hôn'aje ny hiantognan'ny fikosoham-bary lehibe ao amin'ny vojogne. Ka halentika agny anaty ranomasina laligna ijy.7Koja hoan'ijay tontolo ijao nohon'ny fotôgnan'ny fagnafitohinana! Fa ilaina ny fahatongavan'ijany, nefa loja hoan'ny olo ijay nevien'ny fotôgna ijany!8 Laha miteraka fanafitohinana hônao ny tagnanao na ny tongotrao, die tapaho ijany ary alay teo aminao. Tsara loholoho hônao miditra kilemaina na mandringa agny amin'ny fiaignana mandrakijay nohon'ny ho very agny amin'ny afo tsy mety maty amin'ny fagnanana tagnana roe na tongotra roe.9Laha miteraka fanafitohignana hônao ny masonao raike, ingoty ijany ary alay teo aminao. Tsara loholoho aminao ny miditra agny amin'ny fiaignana mandrakijay miaraka amin'ny maso ila noho ny hoe ho very agny amin'ny afo tsy mety maty miaraka amin'ny maso roe.10Tandremo tsy hanao tsinotsinona ny jaja madinika io anareo. Fa milaja aminareo Iaho fa agny an-dagnitra ny anjeline die mijaha fehijay ny endriky ny Raiko ijay agny an-dagnitra.11 [Fagnamarihana: "Ny dikan-teny taloha tsara indrindra die tsy ahitana ny fehejanteny ijay miseho hôtran'ny V.11. hoe: " Fa ny Janak'Olo die tonga mba hamonjy ijay vere."]12Ino no eritreritrareo? Laha misy managna managna ondry jato, ka mandeha agny amin'ny lalan-diso ny raike amin'dreo, die tsy handao ny sivy amby sivifolo eo amin'ny havôna ve ijy ary handeha hitady ny raika very ijay nandeha agny amin'ny lalan-diso? 13Laha hitany ijany, die lajaiko marina aminareo, fa mifaly amin'ijany mihôtra noho ny sivy ambiny sivifolo ijay nandeha agny amin'ny lalan-diso ijy.14 Hotran'ijany mandy koa, tsy sitraky ny Rainareo agny an-dagnitra ny hahavery ny raike amin'ireo madinika ireo.15Laha manota aminao ny rahalahinao, mandehana ary lajao anajy ny hadisône, aminao sy ijy raika mandy. Laha miteno anao ijy, die hifankahajo amin'ny rahalahinao ndrike anao. 16Kanefa laha tsy miteno anao ijy, die mangalà ny raike na roe hafa miaraka aminao, amin'ijay mba amin'ny vavan'ny vavolombelogna roa na telo no ahafana magnamarina ny teny aby daholo.Ary laha mandà ny hiteno an'dreo ijy, die jakao amin'ny fengonana ny raha-mitranga. Laha tsy magneky ny hiteno ny fengonana mandy koa ijy, die avelao ijy ho hôtran'ny Jentilisa sy ny mpamory hetra.18Jakaiko marina aminareo, n'ino n'ino fehijinareo etoy an-tany die ho fihejina agny an-dagnitra; ary n'ino n'ino abelanareo eto an-tany die ho vôvela agny an-dagnitra. 19Die mbola lajaiko aminareo ndraike hoe: "Laha misy roa aminareo magneky eto an-tany ny amin'ijay rehetra angatahin'dreo, die natao hôn'dreo ijany amin'ny alalan'ny Raiko ijay agny an-dagnitra.20 Fa na aja misy roa na telo miara-mivory amin'ny Agnarako, Die eo agnivon'dreo eo Iaho."21Avy teo nagnatogna Petera ary nijaka tamin'ny Jesôsy hoe: "Tompo, impiry hanota aminahy ny rahalahiko ka hamela anajy iaho? Hatrami'ny im-pito ve?" 22Jesôsy nijaka anajy hoe: "Tsy mijaka aminao Iaho hoe im-pito, fa hatramin'ny fitopolo im-pito.23Noho ijany ny fanjakan'ny lagnitra die mitovy amin'ny mpanjaka raike ijay te hifandamigna ara-bola miaraka amin'ny mpanompone.24 Laha vô manomboka ny fandamignana ijy, die tsy nisy mpanompo raike nindao taminajy ijay nagnanany talenta ray aligna.25 Nefa satria tsy nanagna fomba handoavana ijany ijy, die nandimby ny hamarotana anajy ny tompone, miaraka amin'ny vadiny sy ny janagny ary ijay hagnanany manontolo, ka ho vita ny fandoavan-trosa.26Noho ijany die nondrika ny mpanompo, ary nenkohoko talohane, ary nijaka hoe: 'Tompo, manàna faharetana aminahe, die halôko aminao ny raha manontolo.' 27Noho ijany ny tompon'ijany mpanompo ijany, die nalahelo, ka nagnafaka anajy ary namela ny trosa taminaje.28Fa nivôka io mpanompo io ka nahita ny raika tamin'ny mpiara-manompo aminaje, ijay nagnanany dinaria jato. Nosamborina ijy, niresine tamin'ny tendane, ary nijaka hoe: 'Aloavy aminahy ijay notrosainao.'29 Nefa niondrika io mpiara-manompo aminaje io ary nitalaho taminajy, nagnano hoe:'Manàgna faharetana aminay, die haloako aminao ndraike.'30Kanefa nandà ny mpanompo vôlohane. Mifanohitra amin'ijany, nandeha ijy ary nataony tagny am-pigadrana ny mpiara-manompo aminajy mandra-haloany aminajy ijay notrosaine.31 laha efa nahita ijay niseho ireo mpiara-manompo aminajy, die nalahelo tokôtre areo. Nandeha ary nilaja tamin'ny tompony ijay rehetra niseho areo.32Avy teo nangaika anajy ny tompon'io mpanompo io, ary nijaka anajy hoe: 'Anao ry mpanompo ratsy fagnahy, namela ny trosa aby taminao iaho satria anao nitalaho taminahe.33 Tsy tokony hanagna famindram-po amin'ny mpiara-manompo aminao ve anao, hôtrany nagnanako famindram-po taminao?'34Vignitra ny tompony ary nitondra anajy tagny amin'ny mpampijaly mandra-pahaloavany ijay rehetra notrosaine.35 Hôtran'ijany koa no ho ataon'ny Raiko agny an-dagnitra aminareo, Laha tsy mamela ny rahalahine amin'ny fony tsiraidraike avy aminareo."
Chapter 19

1Ary laha efa ireo teny ireo Jesôsy, niala tagny Galilia Ijy, ary nandeha amin'ny faritra'i Jodia ijay tagny andafin'ny reniranon'ny Jordana.2 Vahôka be no nagnaraka Anaje, ka nagnafaka andreo tagny Ijy.3Nagnatogna Anajy ireo fariseo, nitsapa Anajy, nijaka taminajy hoe: " Ara-dalàna ho an'ny lelahy ve ny misaraka amin'ny vadiny noho ijay mety ho antony manontolo? 4Jesôsy namaly ary nijaka hoe: "Tsy novakianareo ve fa Ijy ijay nagnambotra andreo tamin'ny vôlohany die nagnambôtre andreo ho lelahy sy viavy?5Ijy Ijay nagnambôtra andreo die nijaka mandy koa hoe: 'Fa noho ijany antony ijany die handao ny abany sy endrine ny lelahy ka hikambagna amin'ny vadine, ary ho lasa nofo raike ijy roe?6 Ka tsy ho roa koa areo, fa ho nofo raike. Ka ijay natambatr'Andriamanitra, Ôka tsy hisy hagnasarake."7Hoy areo taminajy hoe: "Nagnino ijany Mosesy no mandindy anay hagnome taratasy Fagnamarihana mano sarahana ary avy teo hampody anajy?8 Hoy Ijy tamin-dreo hoe: " Fa ny hamafisam-ponareo no namelan'i Mosesy anareo hisaraka amin'ny vadinareo, fa tamin'ny vôlohany die tsy ijany no fomba. 9Jakaiko anareo, n'ija n'ija misaraka amin'ny vadine, hafa-tsy nohon'ny fijangajangana, ka manambady hafa, die magnitsakitsa-bady; ary ny lelahy manambady viavy ijay efa nisara-bady die mijangajanga."10Ireo mpianatra nijaka tamin'ny Jesôsy hoe: "Laha ijany no toetran'ny lelahy amin'ny vadine, die tsara ny manambady." 11Fa Jesôsy nijaka tamin-dreo hoe: "Tsy ny olo manontolo no afaka magneky ijany fampenarana ijany,12 Fa misy ireo ionoka ijay efa hôtran'ijany hatan-kibon-dreny areo, ary misy ireo ionoka ijay namboarin'olombelogna, ary misy ireo ionoka ijay magnano ny tegnan'dreo ho ionoka nohon'ny fanjakan'ny lagnitra. Ijy ijay afaka mandray ijany fampenarana ijane, ôka ijy handray ijane."13Avy teo nisy jaja madinika sasantsasany nindao tamin'ajy mba hametrahany tagnana amin'dreo ka hivavake, fa nijaka mahare an-dreo ireo mpianatre. 14Fa hoy Jesôsy hoe: "Abilao ny jaja madinike, ary aja raràna areo hagnatogna Anahe, satria ny fanjakan'ny lagnitra die an'ny hôtran-dreo." 15Napetragny teo amin'ireo jaja ny tagnane, ary avy teo nenga teo Ijy.16Indro, nisy lelahy nagnatogna an'i Jesôsy ary nijaka hoe: "Mpampianatre, Ino ny raha tsara tsy mentsy ataoko mba hahajôko ny fiagnana mandrakijay?" 17Jesôsy nijaka taminajy hoe: "Nagnino anao no magnotany momba ijay tsara tatoy aminahe? Raika mandy no tsara, fa laha te-hiditra agny amin'ny fiaignana anao, die tandremo ireo didy."18Hoy ilay lelahy taminajy hoe: "Didy ino?" Die hoy Jesôsy hoe: "Aja mamono olo, aja mijangajanga, aja mangalatra, aja mety vavolombelogna diso, 19hajao ny rainao sy ny reninao, ary tiavo ny mpia-belogna aminao hôtrany tegnanao."20Ilay jatovo nijaka taminajy hoe: "Efa nankatoaviko aby ijany manontolo ijany. Ino no mbola ilaiko?21 Jesôsy nijaka taminajy hoe: " Laha magniry ny ho tonga lafatra anao, die andihana, amidio ijay agnananao, ary omeo ny mahantra, ka hanagna harena agny an-dagnitra anao; ary avia, magnaraha Anahe." 22Fa laha efa naharegny ijay nolajain'i Jesôsy ilay jatovo, die niala tamin'alahelo ijy, satria nanagna fagnanana be.23Hoy Jesôsy tamin'ireo mpianatra hoe: "Jakaiko marina aminareo, sarotra ho an'ny mpanankarena ny hiditra ny fanjakan'ny lagnitra.24 Ary mbola jakaiko aminareo ndraike, mora kokoa ho an'ny rameva ny miditra amin'ny vodim-panjaitra noho ny idiran'ny mpanakarena ao amin'ny fanjakan'Andriamanitra."25Laha efa naharegny ijany ireo mpianatre, die tena jendagna tokôtre ka nijaka hoe: "Ija ary ijany no afaka ho vonjena?" 26Nijaha an-dreo Jesôsy ary nijaka hoe: "Amin'ny olo die tsy hay atao ijany, fa amin'Andriamanitra ny raha-manotolo die ajo atao." 27Avy teo Petera namaly ary nijaka hoe: "Indro, nabelanay ny raha-manontolo ary no ho ajonay?''28Jesosy nijaka an-dreo hoe: ''Jakaiko marina aminareo, amin'ny vanim-potôgna vaovao manontolo mitoboka eo amin'ny seja fiendriagnan'ny voninahiny Janak'Olo, die hitoboka eo amin'ny Seja fiedriagnana roa ambifolo mandy koa anareo ijay nagnaraka Anahy, hitsara ireo foko roa ambifolon'Israely.29Ny olo manontolo ijay tragno, rahalahy, anakavy, ray, reny, janaka, na tany nohon'ny anarako, die handray handray avo jato heny ary handova fiaignana mandrakijay. 30Fa be ireo ijay vôlohany ho lasa farane, ary ny farany ho vôlohane.
Chapter 20

1Fa ny fanjakan'ny lagnitre die hôtran'ny tompon-tany ijay nienga vô maraigna be hagnarama mpiasa hôn'ny tanim-bôlobokane.2 Laha avy nifagnarake tamin'ireo mpiasa ijy fa ho denaria raike isan'andro ny karaman-dreo, die nalefane tagne amin'ny tanim-bôlobokane areo.3Nivôka indraike ijy tamin'ny ora fahatelo ary nahita mpiasa hafa nijorojoro tao an-tsena.4 Hoy ijy tamin-dreo hoe: "Anareo koa, mandihana agne amin'ny tanim-bôloboke, ary ijay an-kevine marina die homeko anareo." Ka nienga niasa areo.5Mbôla nivôke indraike ijy teo amin'ny ora faha enina ary koa tamin'ny ora faha sivy, ary nagnano hôtran'ijane mandy. 6Tamin'ny ora faharaika ambifolo die nivôka indraike mandeha koa ijy ary nahita mpiasa hafa nijorojoro. Hoy ijy tamin-dreo hoe: "Nagnino anareo no mijoro eto mandritra ny tontolo andro?" 7Hoy areo tamin'aje hoe: "Tsy misy magnarama ahay." Hoy ijy tamin-dreo hoe: "Anareo koa mandihana agne amin'ny tanim-bôloboke."8Laha avy ny hariva, die nijaka tamin'ny mpitandrin-draharahane ny tompon'ilay tanim-bôloboke hoe: "Angiho ireo mpiasa ary omeo ny karaman-dreo, manomboke avy agne amin'ny farane megnagne amin'ny vôlohane."9 Laha avy ireo mpiasa ijay nalaina tamin'ny ora faharaika ambifolo, die nahajo denaria raike kiraidraike aby areo.10 Laha avy ireo mpiasa vôlohane, die nieritreritre fa hahajo mihôtra areo, kanefa areo mandy koa die nahajo denaria raike kiraidraike aby.11Laha nahavôray ny karamane areo, die nitaraigna momba ilay tompon-tany areo.12 Hoy areo hoe: "Ireo mpiasa farane ireo die niasa adiny raike fotsine, nefa die nampitovinao taminay areo, ahay ijay nijaka ny vesatry ny tontolo andro sy niaritra hegn'andro."13Fa namaly ilay tompon-tany ka nijaka tamin'ny raike tamin-dreo hoe: "Ry sakeja, tsy magnano ijay tsy mety aminao iaho. Tsy denaria raike ve no nifagnarahanao tamin'ahe? 14Reso nenao ary jory ny lalagnao. Iaho die nifidy ny hagnome hôn'ireo mpiasa nikaramaina farane hôtran'ny nenao mandy.15Tsy manan-jo hagnano araka ijay tiako amin'ijay an'ahe ve iaho? Sa mialogna ve anareo satria malala-tagnana iaho?"16 Ka ny farane die ho vôlohane, ary ny vôlohane ho farane." [Fagnamarihana: "Ny dikan-teny talohaka tsara indrindra die mangala ny hoe: "Rahabe ny nangihina fa kitike ny vôfidy."]17Laha hienga ho agne Jerosalema Jesôsy, die nangala ireo rômbifolo takekine teo Ijy, ary tegny an-dàlagna Ijy nijaka tamin-dreo hoe: 18"Indro, hiakatra ho agne Jerosalema antsena, ary ny Janak'Olo die hatolotre eo amin'ny lohan'ny mpisorona sy ireo mpanora-dalàna. Areo die hagnameloke an'Ajy ho faty19 ary hanolotra an'Aje amin'ireo Jentilisa mba hihehejana, hifihina, ary hamantsihana an'Aje amin'ny hajo fijaliana. Fa amin'ny andro fahatelo die hatsangagna indraike Ijy."20Avy teo iendrin'ireo janaka lahin'i Zebedio nagnantogna an'i Jesôsy niaraka tamin'ireo janagne lahy. Nenkohoke teo agnatrehane ijy ary nangataka raha avy amin'Aje.21 Hoy Jesôsy tamin'aje hoe: "Ino no tianao?" Hoy ijy tamin'ajy hoe: "Mandidia mba hitobohan'ireto janako rôlahy ireto, ny raike eo an-tagnanao ankavanana ary ny raike eo an-tagnanao ankavia, ao amin'ny fanjakanao."22Fa Jesôsy namaly ary nijaka hoe: "Tsy fantatrareo ny raha angatahinareo. Afaka ny hisotro ny kapôka ijay hisotroako ve anareo? Namaly areo hoe: "Afaka ahay."23 Hoy Ijy tamin-dreo hoe: "Hisotro ny kapôkako tokôtre anareo. Fa ny hitoboke eo an-tagnako ankavanako sy ankaviako die tsy anjarako ny magnome, fa an'ireo ijay efa nomagnin'Iabako." 24Laha naharegny ijane ireo mpianatra folo lahy hafa, die vignitre mahare tamin'ireo ampirahalahy roe.25Fa Jesôsy nangaike an-dreo hegneo amin'Aje ary nijaka hoe: "Fantatrareo fa ireo mpanapak'ireo Jentilisa die hangeja an-dreo, ary ireo lelahy manan-danjan-dreo die hagnampatre ny fahefane eo amin-dreo.26 Fa tsy tokone ho hôtran'ijane ny aminareo. Mifanohitra amin'ijane, n'ija n'ija magniry ny hanjary makadiry aminareo die tsy mentsy ho mpanomponareo, 27ary n'ija n'ija magniry ny ho vôlohane eo aminareo die tsy mentsy ho mpanomponareo, 28hôtran'ny Janak'Olo tsy avy ho tompoina, fa hanompo, ary hagnome ny aigne mba ho vidim-pagnavotana hôn'ny maro."29Laha nivôke avy agny Jeriko areo, die fokon'olo rahabe no nagnaraka an'Aje. 30Nisy lelahy pôke roe nitoboke teo amoron-dàlagna. Laha naharegny fa nandalo Jesôsy, die nikiake mahare areo hoe: "Tompo, janak'i Davida, mamindrà fo aminay." 31Naseke an-dreo ny fokon'olo, nijaka an-dreo mba hangigna, kanefa vô maika areo nangaike mahare hoe: "Tompo, janak'i Davida, mamindrà fo aminay."32Avy teo Jesôsy nijanogna ary nangaike an-dreo sady nijaka hoe: "Ino no tianareo hamboariko aminareo?" 33Hoy areo tamin'Ajy hoe: "Tompo, mba hahita ny masonay" 34Avy teo Jesôsy, nalahelo, ka nikitike ny mason-dreo. Avy hatragne die nahita areo ary nagnaraka an'Aje.
Chapter 21

1Laha nagnatogna an'i Jerosalema Jesôsy sy ny mpianany ka nandeha ao Betifaga, agny antendrombohitr'i Oliva, die nandefa mpianatra roe Jesôsy, 2nilaja tamin-dreo hoe: Mandihana ao amijay vohitra magnaraka ao, fa eo no ho eo anareo die hahita boriky mifehy ary jana-boriky raike miaraka aminaje. Tataho ijy aby die indôsy aminahe.3 Laha misy mijaka anareo mahakasika ijany, die jakay hoe: 'Misy ilan'ny Tompo anajy ito,' ary eo no ho eo ijany olo ijany die hagneky anio hiaraka aminareo."4Ary nitranga ijany mba hahatanteraka ijay nambara tamin'ny alalan'ny mpaminagny. Hoy Areo hoe:5 "Ilajao ny janaka vavin'i Ziona hoe: 'Indro, ny mpanjakanao magnatogna anao, Magnetry tegna ary mideba boriky- jana-boriky lahy."'6Avy teo die lasa ireo mpianatra ary nagnano arak'ijay nandidian'i Jesôsy an-dreo.7 Nindaon-dreo ny ampondra sy ny jana-boriky ary nametraka ny lamban-dreo teo aminajy, ka nipetraka teo amin'ny lamba Jesôsy. 8Ny ankamaroan'ny vahôka die namelatra ny lambane tamin'ny tane, ary ny hafa nanapaka sampan-kajo ary nagnaparitaka ijany tamin'ny lalagna.9Avy teo ny vahôka neloha an'i Jesôsy sy ny ijay nagnarake anajy nitabataba hoe: "Hosana ho an'ny janak'i Davida! Isaorana ny tonga avy amin'ny anaran'ny Tompo! Hosana agny amin'ny ambony indrindra!" 10Laha efa niditra tao Jerosalema Jesôsy, die nihoraka ny tanàn'draike ka nagnano hoe: "Ija moa io? 11Ny vahôka namaly hoe:"Ijy no Jesôsy ny mpaminagny avy agny Nazareta agny Galilia."12Avy teo niditra tao an-tempoly Jesôsy. Niroahiny aby ny mpivanga sy mpivarotra tao an-tempoly, ary nahongane ny latabatrin'ny mpanakalo vola sy ny fitôran'ny mpivarotra voromahalala. 13Hoy Ijy tamin-dreo hoe: "Efa vôsoratra hoe:' Ny tragnoko die ho antsovana hoe tragno fivavahana, ' kanefa ataonareo johy fieren'ny jiolahy." 14Laha avy teo die nisy jamba sy kilema nagnatogna Anajy tao an-tempoly, ka nafahany areo.15Fa laha nahita ny java-mahagaga nataony ny lehiben'ny mpisorogna sy ny mpanora-dalàna, ary laha efa regnin-dreo ny jaja madinika nitabataba tao an-tempoly hoe: "Hosana ho an'ny janak'i Davida," die vignitra mafy areo.16 Hoy areo taminajy hoe: "Regninareo ve ijany jakain'ireo olo ireo?" Namaly an-dreo Jesôsy hoe: "Eka! Fa tsy mbola nivakinareo mihintsy ve ny hoe: 'Avy amin'ny vavan'ny jaja madinike sy ny jaja minono no nandavorarenareo ny fiderana?"17 Avy teo nandao an-dreo Jesôsy ka nandeha tagny amin'ny tanànan'i Betania ary nipetraka tao ny aligna.18Ary laha maraigna laha niverigna tagny an-tanàna Ijy, die mosaregna.19 Nahita hajon'aviavy tegny amoron-dalagna, die nagnatogna tegny Ijy ary tsy nahita n'ino n'ino teo hafa-tsy ravigne. Hoy Ijy taminajy hoe: "Ôka tsy hisy vôny koa avy aminao mandrakijay," ary niaraka tamijay die maigna ny aviavy.20Laha efa nahita ijany ny mpianatrane, die jendagna areo ary nijaka hoe: " Nagnino no tonga die mainga itoy aviavy itoy?" 21Namaly Jesôsy ary nilaja an-dreo hoe: "Lajaiko marina aminareo, laha manam-pinôna sy tsy misy fisalasalana anareo, die tsy ijay natao tamin'io aviavy io mandy no hataonareo, fa na die hijaka amin'itoy tendrombohitra itoy aja hoe: 'miongota ary milavoa agny an-dranomasina', die ho atao ijany.22 N'ino n'ino angatahinareo am-bavaka, am-pinôna, die hoajonareo."23Nony niditre tao an-tempoly Jesôsy, die nagnantogna an'Ajy ny lehiben'ny mpisorogna sy ny jokiolo laha nampianatra Ijy ary nijaka hoe: ''Fahefana avy aja moa no amboaranao iregny raha iregne, ary ija no nagnome anao ijany fahefana ijane? 24Namaly Jesôsy ary nijaka tamin-dreo hoe: ''Hametrahako fagnontaniana raike hafa mandy koa anareo. Laha vorianinareo amin'Ahe, die vorianiko aminareo ny fahefana amboarako iregny raha iregne.25Ny batisan'i Jaona - avy taja ny neviane? Avy tagny an-dagnitre sa avy tamin'ny olombelogna?'' Niady hevitra areo, nagnano hoe: ''Laha mijaka antsena hoe, 'Avy tagny an-dagnitre,' Ijy hijaka amintsena hoe: ''Fa nagnino ijany anareo no tsy nino an'ajy?'' 26Fa laha mijaka antsena hoe: ''Avy tamin'ny olombelogna', matahotre ny fokon'olo antsena, satria ijy abiaby die mihevitra an'i Jaona hôtran'ny no mpaminany''. Ka namaly an'i Jesôsy areo ka nijaka hoe: ''Tsy fantatray''. 27Ary hoy mandy koa Ijy tamin-dreo hoe: ''Iaho mandy koa die tsy hivoria aminareo hoe avy aja ny fahefana amboarako iregny raha iregne.28Fa akory ny hevitrareo? Nisy lelahy raike nanagna janaka rôlahy. Nienga negnagne amin'ilay vôlohane ijy ary nagnano hoe: ''Janako, mandihàna miasa agny amin'ny tanim-bôloboke niany''. 29Ilay janagne lahy namaly an'ajy hoe: ''Tsy ho agny iaho,'' fa avy teo niova hevitre ijy die lasa. 30Avy teo die negnagne amin'ilay faharoe ijy ary nijaka ijany mandy koa. Namaly ijy ka nijaka hoe: ''Ho agny iaho, tompoko,'' nefa tsy negnagne ijy.31Ija tamin'ireo janagne roe no nagnano ny sitrapon'iabane?'' Ary hoy areo hoe: ''Ilay vôlohane.'' Jesôsy nijaka an-dreo hoe: ''Vorianiko marina aminareo, ireo mpamory hetra sy ireo mpivaro-tegna die hiditra ny Fanjakan'ny Andriamanitra alohakareo. 32Fa Jaona nagnantogna anareo tamin'ny fahamarignana, fa tsy nino an'ajy anareo. Fa ireo mpamory hetra sy mpivaro-tegna nino an'ajy. Fa anareo, na die nahita ijany aja, die tsy nibebaka sy tsy nino an'ajy.33Tenoy itiky fagnoharana raike hafa itiky. Nisy lelahy raike, tompona tany. Nambôtre tanim-bôloboke ijy, nifefene ijany, nangadiane famiajana tagnatiny tao, nananganany tilikambo, ary nampagnofaine tamin'ireo mpamboly vôloboke. Avy teo die negnagne amin'ny tanàna hafa ijy. 34Laha nagnakeke ny taom-pahavokarana, die nagnirake ny saragne tamin'ireo mpanompo ijy ho agny amin'ireo mpamboly vôloboke hangala ny vokatrane.35Fa nisamborin'ireo mpamboly vôloboke ireo mpanompone, nifihine ny raike, nivonine ny hafa, die mbola nitilina vato ny hafa. 36Ary mbola, nagnirake mpanompone hafa indraike ilay tompon-tany, rahabe loho ny vôlohane, fa nataon-dreo hôtran'ijane mandy koa.37 Tafaran'ijane, die nagnirake ny janagne lahitokagna tagny amin'ireo ny tompon-tany, nijaka hoe: ''Hagnaja ny janako areo.''38Fa laha nahita ilay janaka lahy ireo mpamboly vôloboke, die nifampiresaka areo hoe: ''Itiky no mpandova. Ndao, hivonintsena ijy ary halaintsena ny lova.'' 39Noho ijany die nisamborin-dreo ijy, natily tao agnatin'ny tanim-bôloboke ary nivonina.40Ary laha avy ny tompon'ny tanim-bôloboke, ino ny hamboarine amin'ireo mpamboly vôloboke?'' 41Hoy areo tamin'Ajy hoe: ''Hifejine amin'ijay fomba mahare indrindra ireo olon-doja, ary avy teo hampagnofaine amin'ireo mpamboly vôloboke hafa ny tanim-bôloboke, olo hagnome an'ajy ny anjara voline amin'ny eo fotôm-pahavokarana.''42Jesôsy nijaka tamin-dreo hoe: ''Tsy mbola namaky ny Soratra Masina mihitsy ve anareo hoe: ''Ny vato nolavin'ny mpambotra-tragno no natao vato fehijoro. Avy tamin'ny Tompo ijany, ary mahavaregna eo amasontsena'?43Noho ijany vorianiko aminareo, halaina aminareo ny fanjakan'Andriamanitra ary hatolotre ny firenena ijay mamokatra ireo vône.44 N'ija n'ija ho lavon'io vato io die ho potipotike. Fa ijay hilatsahane koja die ho torotoro.''45Laha naharegny ireo fagnoharana ireo ny lehiben'ny mpisorogna sy ireo Fariseo, die ajon-dreo fa mahakasika an-dreo ny nivorianine.46 Nikasa ny hanambotra an'Ajy, kanefa natahotra ny fokon'olo areo, satria nataon'olo ho mpaminany Ijy.
Chapter 22

1Nijaka tamin'ny fagnoharana tamkn'dreo indraike Jesôsy, nagnano hoe: 2''Ny fanjakan'ny Lagnitre die mitovy amin'ny mpanjaka ijay nagnomagna fanasana amin'ny fampakaram-bady ho an'ny janagne lahy.3 Nagnirake ny mpanompone hagnatso ny jay nahazo fagnasana hagnatrike ny lagnonam-pampiaram-bady ijy, fa tsy nety ho avy areo.4Nandefa ny mpanompone hafa koa ny mpanjaka, manao hoe: ' Ilazao ny jay nasaina hoe: ''Jereo, efa nokarakaraiko ny sakafoko. Efa novonoina ny omby sy ny zanak'omby mifahiko, die efa vonona ny raha-abiaby. Tongava ao amin'ny lagnonam-pampiakaram-bady.'''5Feny tsy niraharaha areo lasa nandeha, ny raike namonjy ny toeram-piompine, ny hafa tamin'ny raharaham-borony. 6Ny saragny nanambotre ny mpanompon'ny mpanjaka, nangala baraka anajy reo, die namono anajy reo. 7Vay ny mpanjaka ka nagnirake ny miaramilane, die namono mpamono olo io areo, die nagnoro ny tanànany.8Ave eo nijaka tamin'ny mpanompony ijy hoe: 'Efa vonona ny fampakaram-bady, fa areo jay nasaina no tsy mendrika. 9Noho ijany mandihana egny amin'ny sampaganan-dalambe die magnasà olo rahabe arake ny hitanareo ho ao amin'ny lagnonam-pampiakaram-bady.'10 Nandeha nivôke tagny amin'ny lalan-dehibe ny mpanompo die nanambatre ny olo aby jay hitan'dreo, na ny tsara na ny ratsy. Noho ijany die feno vahiny ny efi-tragno lehibe nisy ny fampakaram-bady.11Fa rehefa niditre ny mpanjaka mba hijery ny vahiny, die nahita lelahy tsy nanao akanjo findao amin'ny fampakaram-bady ijy. 12Nijaka taminajy ny mpanjaka hoz: 'Ry sakaiza, ahôna no idiranao aty tsy miaraka amin'ny fitafy findao amin'ny fampakaram-bady?' Fa tsy nahajaka ny lelahy.13Avy eo nijaka tamin'ny mpanompony ny mpanjaka hoe: 'Fatory ny Tananarive sy ny tongotr'itoy lelahy toy, die atipazo agny ivelany ijy, agny no misy fitomagniana sy fikotroha-nify.' 14Fa olo rahabe nantsoina, nefa vitsy no ho voafidy.15Avy eo nandeha ny Fariseo die nanomana ny fomba mety hamandrihana an'i Jesôsy amin'jay noteneniny. 16Avy eo nirahin'dreo hegnany Aminajy ny mpianatran'dreo, niaraka tamin'ny Herodiana. Nijaka tamin'ny Jesôsy arzo hoe: ''Ry mpampianatra, fantanay fa marina Anao, dia mpampianatra ny lalan'Andriamanitra amin'ny marina. Tsy miraharaha ny hevitry ny hafa Anao, die tsy mijaha mitanila.17 Noho ijany jakao amonay, ino ny hevitrao? Ara -dalàna ve ny fandoavan-ketra agny amin'ny Kaisara sa tsiare?''18Nefa azon'i Jesôsy ny faharatsian'reo ka nijaka : ''Nagnino no mitsapa Anahy anareo, ry mpihatsaravelatsihy? 19Aboahy Anahy ny farantsa amin'ny hetra.'' Avy eo nirondra dinaria teo aminajy areo.20Hoy Jesôsy tamin'dreo hoe: ''An'ija toy sary sy anarana toy?'' 21Nijaka taminajy arzo hoe: ''An'i Kaisara .'' Avy eo Jesôsy nitzny andreo hoe: ''Omeo an'i Kaisara ny zay an'i Kaisara, die an'Andriamanitra ny zay an'Andriamanitra.'' 22Rehefa naharzegny ijany areo, die jendagna. Die nenga teo Aminajy areo ka nandeha.23Tamin'jay andro jay mandy ny Sodoseo saragne, nyzay nijaka fa tsy misy fitsanganana amin'ny maty, nagnatogna Anajy. Nagnatogna Anajy areo,24 nanao hoe: ''Ry mpampianatre, Mosesy nijaka hoe: 'Raha maty ny olo, tsy manan-janaka, die tokone hanambady ny vadiny ny rahalahiny die hanan-janake ho an'ny rahalahiny.25Nisy mpirahalahy fito. Nanambady ny voalahany die maty avy eo. Lasa tsy nametrake janake, navelany ho an'ny rahalahiny ny vadine. 26Avy eo nanao raha mitovyamin'jay ny faharoe, avy eo ny fahatelo, hôtran'zay fehizay amin'ny rahalahiny fahafito.27 Tafaran'ny abiaby reo, die maty ny viavy. 28Die amin'ny fitsanganan'ny maty, ho vadin'ija amin'dreo miralahy fito kjy? Fa efa nanambady ajy ijy manontolo reo''29Fa namaly Jesôsy die nijaka andreo hoe: ''Diso anareo, satria tsy mahafantatre ny Soratra Masina na ny herin'Andriamanitra.30 Fa amin'ny fitsanganan'ny maty die sady tsy hanambady areo no tsy omena ampakarina. Fa koja, mitovy amin'ny anjely agny an-dagnitre.31Fa makasika ny fitsanganan'ny maty, mbola tsy novakianareo ve jay nojakain'Andriamanitra taminareo, manao hoe: 32'Iaho no Andriamanitr'i Abrahama, Andriamanitr'i Isaka, ary Andriamanitr'i Jakoba'? Andriamanitra die tsy Andriamanitre ny maty, fa an'ny velogna.''33 Rehefa naharegny an'jay ny fokonolo, die varegna tamin'ny fampenarany.34Fa rehefa regnin'ny Fariseo ny nampanginan'i Jesôsy ny Sadoseo, die niara-nivondrona areo. 35Ny raike tamin'dreo, mpahay lalàna, nametra-panotaniana taminajy, nangala fanahy Anajy hoe : 36''Ry mpampianatra, ija no lehibe indrindra amin'ny didy ao amin'ny lalàna?''37Nijaka taminajy Jesôsy hoe: ''Tiavo amin'ny fonareo manontolo, amin'ny fanahinareo aby, die amin'ny saignareo manontolo ny Tompo Andriamanitrareo.'38 Ijany no didy angejabe sy voalohany.39Die ny didy faharoa die hôtrany jay mandy koa: 'Tiavo ny mpiara-belona aminareo hôtra ny tegnanareo.' 40Amin'ny didy rolahateo io no enkinan'ny lalàna manontolo sy ny mpaminany.''41Die raha mbola niara- nivondrona ny Fariseo, die nametra-panotaniana anajy reo Jesôsy. 42Hoy Ijy hoe: ''Ino no eritreretrareo momban'i Kristy? Janaka lahain'ija Ijy!'' Nijaka taminajy reo hoe: ''janak'i Davida.''43Hoy Jesôsy tamin'dreo hoe: ''Nagnino ary Davida mipetrake ao amin'ny Fanahy no magnatso Anajy hoe Tompo, manao hoe: 44 'Ny Tompo nijaka tamin'ny Tompoko hoe: ''Mipetraha eo amin'ny tanan'ankavanako, mandra-panaoko ny fahavalonao'ho fitoeran-tongotrao?'45Laha Davida aja magnantso an'i Kristy hoe: 'Tompo,' die ahôna no maha-janak'i Davida Anajy?'' 46Tsy nisy nahavaly Anajy tamin'ny jaka, die tsy nisy olo nahasahy nametrake fagnotaniana hafa koa nanomboke tamin'ijay andro ijay.
Chapter 23

1Ary Jesôsy nijaka tamin'ireo fokon'olo sy ireo mpianatrane. 2Hoy Ijy hoe: ''Ireo mpanora-dalàna sy Fariseo mitoboke eo amin'ny fitobohan'i Mosesy.'' 3Noho ijane n'ino n'ino handidian-dreo anareo hamboarina, die amboaro iregne raha iregne ka mitandrema an-dreo. Fa aja alaina tahake ny asan-dreo, satria areo die mijaka raha nefa avy teo tsy magnano ijane.4Ieke, fatoran-dreo ny enta-mavesatre ijay sarotre indôsina, ary avy teo die atobokan-dreo eo amin'ny sorokan'olo. Fa tsy hagnetsike ny ratsan-tagnane na die raike ny tegnan-dreo mba hitondra ajy ireo. 5Magnano ny asane abiaby areo mba ho hitan'olo. Fa ataon-dreo malalake ny filakiterane, ary angejain-dreo ny sisin'akanjone.6Tian-dreo ny pilasin'ny mana-kaja agne amin'ny lagnonana sy ny pilasin'ny makadiry ao amin'ny synagoga, 7sy ny fagnontaniena miavake egne an-tsena, ary mba angihin'olo hoe: ''Raby''.8Fa anareo tsy ajo angehina hoe: ''Raby'', fa raike mandy ny mpampianatrareo, ary mpirahalahy anareo abiaby.9 Ary aja mangaike ny olo etiky an-tany hoe iabanareo, fa raike mandy Iabanareo, ary Ijy die agne an-dagnitre. 10Anareo aja mety angehina hoe: ''Mpampianatra'', fa raike mandy ny mpampianatrareo, die i kristy.11Fa ijay makadiry indrindra aminareo no ho mpanomponareo. 12N'ija n'ija manandra-tegna die ahetry, ary n'ija n'ija manetry tegna die hasandratre.13Fa lojanareo, ry mpanora-dalàna sy fariseo, mpetsaravelatsihy! Fa akatognareo ny fanjakan'ny lagnitre. Fa anareo tsy mampiditra ny tegnanareo, ary tsy akenareo ireo ijay mandremby hiditre. 14[Fagnamarihana: ny antontan-taratasy talohaka die tsy ahitana ny fehejanteny hoe: ''Fa lojanareo, ry mpanora-dalàna sy fariseo, mpetsaravelatsihy! Fa mandany ny tragnon'ny mpitondra tegna, ary magnano vavake lavareny anareo. Noho ijane die hahajo fagnamelohana makadiry anareo.'']15 Lojanareo, ry mpanora-dalàna sy fariseo, mpetsaravelatsihy! Fa menga mitety ny ranomasina sy ny tany anareo mba hampiova fo ny olo raike, ary laha miova fo ijy, die ataonareo janaky ny afobe avo roe heny mihôtra noho anareo ijy.16Lojanareo, ry mpitarike pôke, anareo ijay mivoria hoe: ''N'ija n'ija mifanta amin'ny fengonana, die tsy misy dikane ijane. Fa n'ija n'ija mifanta amin'ny voloamenan'ny fengonana, die vôfehin'ny fifantane ijy.''17 Anareo ry pôke môla! Ija no makadiry loholoho, ny volamena sa ny fengonana ijay magnano ny volamena ho masina?18Ary, ''N'ija n'ija mifanta amin'ny alitara, die tsy misy dikane ijane. Fa n'ija n'ija mifanta amin'ny fagnatitre ijay eo ambonin'ijane, die vôfehin'ny fifantane ijy.'' 19Anareo ry olo pôke! Ija no makadiry loholoho, ny fagnatitre sa ny alitara ijay magnano ny fagnatitre ho masina?20Noho ijane, ijay mifanta amin'ny alitara, die mifanta amin'ijane sy amin'ny raha abiaby eo ambonine. 21Ny raike ijay mifanta amin'ny fengonana, die mifanta amin'ijane sy amin'ijay monigna amin'ajy ao, 22ary ny raike ijay mifanta amin'ny lagnitre, die mifanta amin'ny seja fendrianan'Andriamanitra sy amin'ijay mitoboke eo ambonin'ijane.23Lojanareo, ry mpanora-dalàna sy fariseo, mpetsaravelatsihy! Fa magnefa ny fahafolon'ny solila sy ny aneta ary ny komina anareo, fa anareo die tsy nankatò ny raharaha mavesa-danja indrindra amin'ny lalàna die ny rarine sy ny famindram-po ary ny finôna. Fa ireo no tokone namboarinareo ary tsy tokone navelanareo ho tsy vita ny raike hafa. 24Anareo ry mpitarike pôke, anareo ijay manivagna ny lalitre nefa miteligna rameva!25Loja hônareo, ry mpanora-dalàna sy fariseo, mpetsaravelatsihy! Fa diovinareo ny ivelan'ny kapôke ny ny vilia, nefa ny ao agnatine die feno fagniriana sy filàna. 26Anareo ry fariseo pôke! Diovy alohake ny ao agnatin'ny kapôke sy ny vilia, mba hanjary madio mandy koa ny ivelane.27Loja hônareo, ry mpanora-dalàna sy fariseo, mpetsaravelatsihy! Fa anareo die hôtran'ny kobory vôlalotra fotsy; ijay tsara ivelane, fa ny ao agnatine koja die feno ny tôlam-paty sy ny loto abiaby. 28Hôtran'ijane mandy koa, etiky ivelane anareo miseho ho marina eo amin'ny olo, nefa ny ao agnatinareo die feno fetsaram-belatsihy sy heloke.29Loja hônareo, ry mpanora-dalàna sy fariseo, mpetsaravelatsihy! Fa manangagna ny koborin'ny mpaminany anareo ary magnengo ny koborin'olo marina. 30Hoy anareo hoe: ''Laha niaigna tamin'ny andron'ny rajambentsena antsena, die tsy ho nandray anjara niaraka tamin-dreo tamin'ny fandatsahana ny ràn'ny mpaminany antsena.''31 Noho ijane die mijoro vavolombelogna amin'ny tegnanareo anareo fa janak'ireo ijay namono ny mpaminany.32Anareo mandy koa die nahafeno ny fahotan'ireo rajambenareo. 33Anareo ry bibilava, anareo ry taranaky ny menaragna, akory ny hilefanareo ny fagnamelohana ho agne amin'ny afobe?34Noho ijane, igne, magnirake mpaminany sy olo-kanty ary mpanora-dalàna hônareo Iaho. Ny saragne amin-dreo die hivoninareo sy hifantsihanareo; ary ny saragne hifihinareo ao amin'ny synagoganareo ary handrôkevan'aje hienga ao an-tanàna.35 Ny vokatr'ijane die hanody anareo ny rà marina abiaby ijay nalatsake tetiky an-tane, nanombokectamin'ny ràn'i Abela marina, ka hatramin'ny ràn'i Zakaria janak'i Barakia ijay nivoninareo teo agnelagnelan'ny fitobohana masina sy ny Alitara. 36Jakaiko marina aminareo, fa ny raha abiaby die ho avy amin'itiky taranaka itiky.37Ry Jerosalema, ry Jerosalema, anao ijay mamono ny mpaminany sy mitily-vato ijay irahina hôminao! Impiry Iaho no magniry ny hagnavorovoro ny janakao miarake, hôtran'ny akoho vavy raike magnavorovoro ny akoho madinike ao ambany elatrane, nefa tsy nety anareo!38 Igne, ny tragnonareo no avela ho lao hônareo. 39Fa jakaiko aminareo, hatramin'ijao, tsy hahita an'Ahe tokôtre anareo mandra-pijakanareo hoe: ''Isôrana anie ijay avy amin'ny agnaran'ny Tompo.''
Chapter 24

1Nivôke ny tempoly Jesôsy ary nenga nandeha. Nagnatogna an'Ajy ireo mpianany mba hanoroana an'Ajy ny rafitry ny tempoly. 2Nefa namale Ijy ary nijaka tamin-dreo hoe:'' Tsy hitanareo ve ireo raha abiaby ireo? Jakaiko marina aminareo, tsy hisy vato ho tavela amin'ny raike hafa ijay tsy ho ravàna. ''3Laha nipetrake teo an-tendrombohitr'Oliva Ijy, die nagnatogna an' Ajy mangingigna ireo mpianany ary nijaka hoe: '' Jakao anay, ovena ireo raha abiaby ireo no hibôke? Ino no famantarana ny fahatongavanao sy ny fara-andro?''4 Namaly Jesôsy ary nijaka an-dreo hoe: ''Mitandrema mba tsy hisy hamitake anareo. 5Fa ho maro ny ho avy amin'ny agnarako. Ary hijaka areo hoe: 'Iaho no Kristy,' ary maro no ho voafitake.6Haharegne ady sy tatitr'ady anareo. Mitandrema mba tsy hitebiteby anareo, fa tsy mentsy hibôke ijany abiaby ijany; nefa tsy mbola avy ny farane. 7Fa hisy firenena hitsangagna hanohitre firenena, ary fanjakana hanohitre fanjakana. Hisy mosary sy horohoron-tany amin'ny toerana samihafa.8 Nefa ijany abiaby ijany die fiendohan'ny fanaintainan'ny fiterahana fotsiny mandy.9Ka ho atolo-dreo ho amin'ny fahoriana anareo ary ho vonoiny. Ho halan'ny firenena abiaby anareo nohon'ny agnarako. 10Ary ho rahabe ny ho tafintohigna, ary hifamadike sy hifankahala ny kiraidraike. 11Mpaminany sandoke rahabe no hitsangagna ka hamitake olo rahabe.12Satria ny faharatsiana die hitombo, ary hihamangatsiake ny fitiavan'ny maro. 13Fa ilay raike ijay miaritre hatramin'ny farane die ho voavonjy. 14Ity filajantsaran'ny fanjakana ity die ho torina erak'ijao tontolo ijao ho vavolombelogna amin'ny firenena abiaby. Avy eo die ho tonga ny farane.15Noho ijany, raha mahita ny fahavetavetan'ny fandravana anareo, ijay nolajain'i Daniela mpaminany, die hitsagagna eo amin'ny toerana Masina anareo'' (ôka ny mpamaky hahatakatra), 16Ôka ireo ijay agny jodia hilefa ho agny an-tete, 17Ôka ijay ao an-tampon'ny tragno tsy hidigna hangala raha avy ao an-dragnony, 18ary ôke ijay agny an-tsaha tsy hiverigna hangala ny lambany.19Fa loja ho an'ireo mavesatre sy mampinono amin'ijany andro ijany! 20Mivavaha mba ho amin'ny rirignina na amin'ny Sabata no hibôke ny filefanareo. 21Fa hisy fahoriagna lehibe, ijay tsy mbola nisy hôtran'ijany hatragny am-piandohan'ijao tontolo ijao mandrak'ankehitriny, tsiary, ary tsy hisy koa. 22Laha tsy afohejina ireo andro ireo, die tsy hisy nofo ho vonjena. Fa nohon'ny olom-boafidy die hafohejina ireo andro ireo.23Fa laha misy olo mijaka anareo hoe:' Indro, ity ilay Kristy' na, 'iry ilay Kristy' die aja mino an'ijany. 24Fa Kristy sandoke sy ny mpaminany sandoke die ho avy ary hagnabôke famantarana lehibe sy raha mahajendagna, mba hamitake, laha ajo atao, eka fa na ireo olom-boafidy aja. 25Indro, efa nojakaiko anareo mialohan'ny fotôgna.26Noho ijany, laha mijaka anareo areo hoe:' indro, any agnefitre ijy,' die aja menga agny angnefitre. Na hoe' indro, any agnaty efitragno ijy' die aja mino an'ijany. 27Fa hôtran'ny varatra ijay magnelatre avy agny antsignanana ka majava hatragny andrefana, die hôtran'ijany ny fihavian'ny Janak'Olo. 28Na aja na aja misy biby maty, dia agny no hiangognan'ny voltora.29Ary laha vô afake ny fahoriana amin'ireo andro ireo die ho menjigna ny masoandro, tsy hagnome ny hajavany ny volagna, hilatsaka avy agny an-dagnitra ny vasiagna, ary hihojongojogna ny herin'ny lanitra.30Avy eo die hibôke egny amin'ny lanitra ny famantaran'ny Janak'Olo, ary ny foko abiaby ambonin'ny tany hisaogna. Hahita ny Janak'Olo avy amin'ny rahon'ny lanitra miaraka amin'ny hery sy voninanhitra lehibe areo.31 Handefa ireo anjeliny Ijy miarake amin'ny feo trompetra mahare, ary hagnangogna ny olom- boafidiny avy agny amin'ny vajan-tany efatre areo, manomboke amin'ny faravodilanitra ka hatragny amin'ny hafa.32Mianara ny lesona avy amin'ny aviavy. Laha vantany vô matoy ny sampagna ary mamôke ny raviny, die fantatrareo fa magnakeky ny fahavaratre. 33Hôtran'ijany koa, laha mahita ijany raha abiaby ijany anareo, die tokony ho fantatrareo fa efa akeky Ijy, eo amin'ny vavahady mihitsy.34Jakaiko marina aminareo, fa tsy ho lany ity taranaka ity mandra-pibôkan'ijany abiaby ijany. 35Tsy hisy koa ny lanitra sy ny tany, fa ny jakako die tsy mba ho levogna mandrakijay.36kanefa ny mahakasika ijany andro sy lera ijany die tsy hisy mahalala, na ny anjelin'ny lanitra aja, na ny janaka lahy, fa ny Ray mandy.37Hôtran'ny tamin'ny andron'i Noa, die hôtran'ijany mandy koa ny fihavian'ny Janak'Olo. 38Fa hôtran'ny tamin'ireo andro ireo mialohan'ny safo-drano die nihinagna sy ninogna areo, nanambady sy nampakarina mandrapahatongan'ilay andro nidiran'ny Noa tao agnatin'ilay sambo fiara,39 ary tsy nahafantatre n'ino n'ino areo mandra-pahatongan'ny safo -drano ka nandringagna an-dreo abiaby-die hôtran'ijany ny fihavian'ny Janak'Olo.40Avy eo hisy lelahy roe egny an-karegna- ny raike ho resina, ary ny raike ho avela. 41Viavy roe no hanoto vary- ny raike ho resina, ary ny raike ho abela. 42Noho ijany die miambena, fa tsy fantatrareo ijay andro hiavian'ny Tomponareo43Fa fantaro ijao, laha fantatry ny tompon-tragno hoe amin'ny firy aligna no hiavian'ny mpangalatre, die ho niambigna ijy ary tsy namela ny tragnony ho vaky. 44Noho ijany die tsy mentsy mivognona mandy koa anareo, fa ho avy ny Janak'Olo amin'ny lera tsy ampoijinareo.45Koa ija moa ilay mpanompo mahatoky sy hendre ijay notendren'ny tompony hanapake ny ankohonany mba hagnomejana an-dreo ny sakafon-dreo amin'ny fotôgna mety? 46Sambatre ijany mpanompo ijany ijay hitan'ny tompony fa magnano ijany laha avy ijy. 47Jakaiko marina aminareo fa ny tompony no hanapake an'ajy ho ambonin'ny raha abiaby ijay anagnany.48Fa laha misy mpanompo ratsy mijaka ao am-pony hoe: ' Ela fiavy ny tompoko', 49ka manomboke mamono ireo manompo akamany, sy mihinagna ary minogna amin'ireo mpimamo; 50die ho avy ny tompon'ilay mpanompo amin'ny fotôgna ijay tsy ampoijiny ary amin'ny lera ijay tsy fantany. 51Die ho kapakapain'ny tompony ijy ary ho ataony hôtran'ny an'ireo mpihatsaravelatsihy ny anjarany, ijay hisy ny fitomaniana sy ny fikitroha-nify.

Chapter 25

1Ny fanjakan'ny lagnitre die ho hotra'ny ny virijina folo ijay nangala ny jirony ka nandeha nihaogna tamin'ny mpampakatra.2 Adala ny dimy tamin-dreo fa ny dimy koja hendry. 3Ary laha nitondra iro jiro ireo virijina adala, die tsy nitondra solika niaraka tamin'ajy.4 Fa ireo virijina hendry koja die nitondra fitehirijan-tsolika niaraka tamin'ny jirony.5Ary laha tara ny mpampakatra, die rendremagna ijy abiaby ka natory. 6Fa tamin'ny sasak'aligna die nisy nangnatso mahare hoe:" Indro, ny mpampakatre! mivoaha mba hihaogna amin'ajy.7Avy io niarigna ireo virijiny abiaby ka nikarakara ny jirony. 8Hoy ireo môla tamin-dreo hendre hoe:'' Mba omeo ampahany amin'ny fandrehitr'areo ahay fa efa ho faty ny jironay. 9Fa namale ireo hendre ka nijaka hoe:" Sô die tsy ho ampe anay sy ho anareo, fa mandehana koja agny amin'ireo mpivarotra ka mividiana ho an'ny tegnanareo.''10Laha nandeha nivanga areo, die avy ny mpampakatre, ary ijay vognona die niara nandeha tamin'ajy ho ao amin'ny fanasam-panambadiana, ka nihidy ny vavahady. 11Laha afake ijany die tonga mandy koa ireo virijiny sasany ka nijaka hoe:" tompoko, Tompoko, mba vohao ahay". 12Fa namaly ijy ka nijaka hoe:' Jakaiko marina aminareo, tsy mahafantatre anareo aho.' 13Koa noho ijany miambena, fa tsy fantatrareo ny andro na ny ora.14Fa ijany die hôtrin'ny lelahy raike ijay handeha ho agny amin'ny firenen-kafa. Nagnatso ny mpanompony ijy ka nampitatagna an-dreo ny hareny. 15Ny raike tamin-dreo nomene talenta dimy, ny raike hafa nomene roa, ary ny raike hafa koja nomene talenta raike. Ny kiraidraike die samby nandray talenta araka ijay fahejany aby, ary nandeha tamin'ny diany ijany lelahy ijany. 16Ny raike ijay naharay talenta dimy die nenga teo no ho eo ka nampiasa an-dreo ka nahajo talenta dimy hafa.17Hôtran'ijay koa ilay raike ijay naharay talenta roa nahajo roa hafa. 18Fa ilay mpanompo raike ijay naharay talenta raike koja, nandeha ka nangady lavake tamin'ny tany, ary nandevigna ny volan'ny tompony.19Ary tafaran'ny fotôgna ela die niverigna ny tompon'ireo mpanompo ireo ary nandamin-draharaha tamin-dreo. 20Niditre ilay mpanompo ijay naharay talenta dimy no sady nitondra talenta dimy hafa. Hoy ijy hoe:" Tompoko nomenao talenta dimy iaho. Indro, nanatombo talenta dimy hafa iaho." 21Hoy ny tompony tamin'ajy hoe:" Tsara ijany, ry mpanompo tsara sady mahatoky! Nahatoky tamin'ny raha vitsivitsy anao. Iaho hampiandrekitra anao amin'ny raha maro. Midira amin'ny fifalian'ny tomponao."22Ilay mpanompo ijay naharay talenta roe die nagnatogna sy nijaka hoe:" Tompoko, nomenao talenta roe aho, indro, nanatombo talenta roe hafa iaho". 23Nijaka an'ajy ny tompony hoe:" Tsara ijany, ry mpanompo tsara sady mahatoky! Nahatoky tamin'ny raha vitsivitsy anao. Iaho hampiandrekitre anao amin'ny raha maro. Midira amin'ny fifalian'ny tomponao."24Avy eo ilay mpanompo ijay naharay talenta raike nagnatogna no sady nijaka hoe:" Tompoko, fantatro fa lehilahy hentitra anao. Mambely egny amin'ijay tsy namafajanao anao, no sady manangom-bokatre egny amin'ijay tsy nambolenao. 25Natahotre iaho, ka nandeha ary nagnavony ny talentanao tao agnaty tany. Jereo, itoy ijay anao."26Ary namaly an'ajy ny tompony ka nagnano tamin'ajy hoe:" Anao ry mpanompo ratsy sady malaigna, fantatrao fa iaho die mambely egne amin'ijay tsy namafajako sy magnangom-bokatre egne amin'ijay tsy namboleko. 27Noho ijany die tokony nomenao ny mpajana-bola ny volako, ka laha nimpody iaho die nandray ny an'ahe miarake amin'ny tombony.28Noho ijany alay agny amin'ajy ny talenta ary omeo ho an'ilay mpanompo ijay managna talenta folo ijany. 29Fa ijay abiaby managna die homena bebe loholoho- mihotre lavitra aja. Fa ho an'ireo ijay tsy managna n'ino n'ino koja, na ijay anagnany aja die ho alaina amin'ajy. 30Ario agny amin'ny menjigna agny ivelany ny mpanompo tsy mendrika, agny no misy ny fitomagniana sy ny fikitroha-nify.31Ka laha avy amin'ny voninahiny ny Janak'olo sy ny anjely abiaby miarake amin'ajy, die hidoboke eo amin'ny seja fiandrianan'ny voninahiny Ijy. 32Ary ny firenena abiaby die hangonina eo anatrehany, ary hagnavaka ny olo raike amin'ny raike hafa Ijy hôtrin'ny mpiandry ondry magnavake ny ondry amin'ny osy. 33Hametrake ny ondriny ho eo an-kavanany ijy, fany osy koja ho eo ankaviane.34Ary ny ampanjaka hijaka amin-dreo ijay eo an-tanana ankavanany hoe: 'Avia anareo ijay notahian'iabako, madovà ny fanjakana ijay efa vôomagna ho anareo fahaela nagnorenana an'ijao tontolo ijao.35 Fa te hinagna Iaho die nomenareo hanigna; maka iaho die nomenareo hinomina; nivahiny Iaho die nampandrosoanareo; 36nijily Iaho die nosikininareo; narary Iaho nisahiragnareo; ary tagny an-dragnomejigna Iaho die nandeha aminahy anareo.'4137Ary ireo marina die hamaly sy hijaka hoe: 'Tompo, ovena ahay no nahita Anao te hinagna ka namahagna Anao? Na maka ka nampinominay? 38Ovena Anao no hitanay nivahiny ka nampandrosoinay? Na nijily ka nosikininay? 39Ovena ahay no nahita Anao narary na tagny an-dragnomejigna ka nandeha agny aminao? 40Ary ny Ampanjaka namaly ka nijaka an-dreo hoe: 'Jakaiko marina aminareo, ijay nataonareo tamin'iregny rahalahiko kely loholoho iregny, die nataonareo tamin'Ahy41Ary ijy hilaja amin'ireo ijay eo ankaviany hoe: 'MIala aminahy, anareo ijay vôojogna, ho agny amin'ny afo mirehitra mandrakijay ijay efa vôomagna ho an'ny devoly sy ireo anjeliny,42 satria te hinagna Iaho, fa tsy nomenareo hanigna; maka Iaho, fa tsy nomenareo hinomina; 43nivahiny Iaho, fa tsy nampandrosoinareo; nijily Iaho, nefa tsy nosikininareo; narary tao an-dragnomejigna Iaho fa tsy nisahiragnanareo.'44Ary die hamaly koa areo ka hijaka hoe: 'Tompo! Ovena ahay no nahita Anao te hinagna, na maka, na nivahiny, na nijily, na narary, na tagny an-dragnomejigna, ka tsy nanompo Anao? 45Ary Ijy hamaly an- dreo ka hijaka hoe: ''Jakaiko marina aminareo, fa ijay tsy nataonareo tamin'iray tamin'ireo madinika ireo, die tsy nataonareo tamin'Ahy.46 'Ireo die halefa ho ao amin'ny fanasajiana mandrakijay fa ireo marina koja ao amin'ny fiaignana mandrakijay.''
Chapter 26

1Laha efa vitan'ny Jesôsy ijany tegny amin'ny manontolo tegne, die nijaka tamin'ny mpianane Ijy hoe: 2Fantatrareo fa afaka roa andro die ho avy ny Paska, ary hatolotre ho hombohina amin'ny hajofijalena ny Janak'olo."3Avy teo ny lehiben'ny mpisorona sy ny loholona niara-nivory tao amin'ny lapan'ny mpisorona-be, ijay angihina hoe Kaiafa.4 Niarake nagnano tetike areo mba hisamborana mangina an'i Jesôsy sy hamono Anaje.5 Fa hoy areo hoe: "Tsy amin'ny fety, mba tsy hisien'ny korontagna eo amin'ny olo.6Ary Jesôsy laha efa tao Betania tao andragnon'ny Simona boka,7 laha nipetrake nihinagna teo amin'ny latabatre, die nisy viavy raike nanagna tavoara alabastara fano menaka lafo vidy nagnatogna Anajy, die nararagne tamin'ny lohany ijane.8 Fa laha efa hitan'ny mpianane ijany, die vignitra areo ka nagnano hoe: "Ino no anton'ijao fandanena ijao? 9Afaka namidy lafo ary namena ny mahantra io."10Fa Jesôsy, nahafantratre ijany, nijaka an'dreo hoe: " Nagnino anareo no manahiran-tsaigna an'i raviavy? Fa raha tsara no namboariny taminahe. 11Aminareo mandrakariva ny mahantra, fa Iaho die tsy ho eo aminareo mandrakariva.12Fa laha efa nandraraka ijany menaka magnitra ijany tamin'ny vatako ijy, die nataony ho amin'ny fandevegnana Anahy ijany.13 Lajaiko marina aminareo, n'ija n'ija hitirena ny filajantsara eto amin'ijao tontolo manontolo ijao, ijay nataon'itoy viavy toy die lajaina mandy koa ho fahatserovana anajy."14Avy teo raike tamin'ny rômbifolo, ijay nangihina hoe Jodasy Iskariota, nandeha agny amin'ny lehiben'ny mpisorona15 ary nagnano hoe:"Omenareo hôtrino iaho hanolorako Anajy aminareo?" Nandanja volafotsy madinika telopolo areo hôn'aje.16 Tamin'ijany fotoagna ijany die nitady fahafahana ijy mba hanolorana Anajy amin'dreo.17Tamin'ny andro vôlohan'ny mofo tsy misy lalivay die nagnatogna an'i Jasôsy ny mpianatra ka nijaka hoe: "Aja ny tienao hagnomananay hônao hihinana ny sakafo paska?"18 Namaly Ijy hoe: "Midira ao an-tanàna misy lelahy raike ary lajao ijy hoe: 'Hoy ny mpampianatra hoe: "Efa akeke ny fotôgnako. Ato andragnonao Iaho ny hanao ny paska miaraka amin'ny mpianatrako.'''''19 Nataon'ny mpianatre arak'ijay nandidien'i Jesôsy ijane, ary nagnomagna ny sakafon'ny paska areo.20Laha efa tonga ny hariva, die nipetraka nihinagna niarake tamin'ny mpianatra rômbifolo Ijy. 21Laha efa nihinagna areo, die hoy Ijy hoe: "Lajaiko marina aminareo fa misy raika aminareo hamadika Anahe." 22Nalahelo areo ary nanomboka nagnotany Anajy ny tsiraidraike hoe: " Tsy hoaho mihintsy, ry Tompo?"23Namaly Ijy hoe: "Ijay niara-nagnatsoboka ny tagnany taminahe tao agnaty lovia no ny raike hamadika Anahe. 24Handeha ny Jana'olo, araka ijay efa vôsoratra momba Anaje. Nefa lojan'ny olo ijay hamadike ny Janak'Olo! Tsara kokoa ho an'ijany olo ijany no tsy teraka mihintsy. " 25Jodasy, ijay hamadika Anajy no nijaka hoe: " Iaho ve jane, Raby o? Hoy Ijy taminajy hoe: "Vôlajanao."26Laha mbola nihinagna areo, die nangala ny mofo Jesôsy, nisaotra ary nanapaka ijany. Nameny ny mpianatra ijany ary nijaka hoe: "Reso, hoano. Itoy ny vatako."27Nandray ny kapôke Ijy ary nisaotre, ary nagnome ijany an'dreo ka nijaka hoe: "Anareo manontolo, nomy toy.28 Fa itoy ny ràn'ny fanekem-pihavanana arotsaka hoan'ny maro ho famelan-keloka. 29Fa jakaiko aminareo, Fa tsy mba hinogna ny vokatrin'ny voaloboka koa Iaho, mandram-peven'ny fisotrôna vaovao herahako aminareo agny amin'ny fanjakan'ny Raiko."30Laha efa nihira hira fiderana areo, die nandeha tagny amin'ny tendrombohitr'i Oliva.31 Avy teo hoy Jesôsy tamin'dreo hoe: "Anareo aby daholo die handao Anahy noho ny Aminahy androany aligna, fa vôsoratra hoe: 'Hamely ny mpiandry ondry Iaho die hiparitaka ny ondry.'32 Fa afaran'ny fitsanganako amin'ny mate, die heloha lalagna anareo agny Galilia.33Fa petera nagnano taminajy hoe: "Na die handao nohon'ny aminao ny manotolo, iaho tsy mba handao anao mihintsy."34 Hoy Jesôsy taminajy hoe: "Lajaiko marina aminao, fa androany aligna raha mbola tsy magneno akoho, die handà Anahy intelo anao."35 Petera nijaka taminajy hoe: "Na die tsy mentsy ho faty miaraka Aminao aja iaho, die tsy handà Anao." Hôtran'ijany aby ny nijakain'ny mpianatra hafa.36Ary Jesôsy nandeha niaraka tamin'dreo nandeha agny amin'ny toerana angihina hoe Getsemane ary nilaja tamin'ny mpiananehoe: "Mipitraha eto laha bola handeha erôy hivavaka Iaho." 37Nitondra an'i Petera mbamin'ny zanak'i Zebedio rôlahy Ijy ary nanomboka nalahelo sy ory. 38Avy teo hoy Ijy tamin'dreo hoe: "Fadiranovana ny fagnahiko, hôtrany efa ho fate. Mipitraha eto ary mihambena miaraka aminahe."39Nisitaka kely Ijy, nenkohoke ary nivavake. Hoy ijy hoe: "Ry raiko, laha ajo atao, die ôka hesorina aminahe itoy kapôka itoy. Nefa, ôka tsy arakin'ny sitrapoko, fa ny sitraponao." 40Nagnatogna ny mpianatra Ijy ary nahita an'dreo resintory, ka hoy Ijy tamin'i Petera hoe: "Ino, tsy mahavita miamigna miaraka Aminahe na die lera raike aja ve anareo?41 Membena ary mivavaha mba tsy hoajon'ny fankam-panahy anareo. Mety mandy ny fagnahy, fa ny nofo ny maleme."42Mbola nandeha fagnindroany Ijy ary nivavake. Hoy Ijy hoe: "Ry Raiko, laha hôtra tsy ajo alaina aminahe itoy laha tsy misotro Iaho, die hatao anie ny sitraponao."43 Nipody ndraike Ijy ary mbola nahita an'dreo natory, fa navesatra ny mason'dreo. 44Ka nandao an'dreo ndraika Ijy, lasa ary nivavaka fagnitelone, nilaja ny teny io mandy.45Avy teo Jesôsy nagnatogna ny mpianatra ka nagnano tamin'dreo hoe: "Bola mandry sy miala vijake ve anareo? Jahao, efa mariny ny lera, ary ny Janak'Olo die hatolotra eo antanan'ny mpanota.46 Mitsangàna, andeha antsena, Jahao, efa mariny ny hamadike Anahe."47Raha bola nijaka Ijy, die tonga Jodasy, raike amin'ny rômbifolo. Nisy vahôka maro tonga niarake taminajy avy amin'ny lehiben'ny mpisorona sy ny loholona. Tonga niaraka tamin'ny sabatra sy langilangy areo. 48Ary nagnome famantarana an'dreo ny lelahy hamadika an'i Jesôsy, magnano hoe: "Ijay horohako no Ijy. Sambory Ijy."49Teo no ho eo mandy die nagnatogna an'i Jesôsy ijy ary nagnano hoe: "Finaritra Raby!" Ary nagnoroka Anajy ijy. 50Hoy Jesôsy taminajy hoe: "Ry sakeja atôvy ijay nandihananao eto." Avy teo tonga areo, Naninjitra tagnana tamin'ny Jesôsy, ary nanambotre Anajy.51Kay, raike tamin'ny niaraka tamin'i Jesôsy naninjitre ny tagnane, nagnatsôke ny sabany, nikapa ny mpanompon'ny mpisorona-be ary nahatapake ny sofigne. 52Avy teo hoy Jesôsy taminajy hoe: "Ampodio amin'ny pilasine ny sabatrao, fa ireo ijay mandray sabatra die ho vonoina amin'ny sabatra.53 Meritreritra ijany anareo fa tsy afaka mangaika ny Raiko Iaho, ary Ijy die afaka mandefa ho Anahy tafik'Anjely mihôtra nohon'ny rômbifolo? 54Fa hatao akory ijany no hahatanteraka ny Soratra Masina, ijay milaja fa tsy maintsy hitranga ijane?"55Tamin'ijany andro ijany Jesôsy nijaka tamin'ny vahôka hoe: "Tonga miaraka amin'ny sabatra sy langilangy hanambotra Anahy hôtrany jiolahy ve anareo? Isan'andro die nampianatre teo amin'ny tempoly Iaho, fa tsy nosamborinareo.56 Fa ijany rehetra ijany die nitranga mba hahatanteraka ijay vôsoratrin'ny mpaminagny. " Avy teo nandao Anajy ny mpianatra manontolo ka nilefa.57Nindôsin'dreo nanambotra Anajy tagny amin'ny Kaiafa mpisoronabe Jesôsy, ijay nivoren'ny mpanora-dalana sy loholona.58 Fa Petera nagnaraka Anajy avy egny alavitra nandeha agny amin'ny kianjan'ny mpisorona-be. Niditra tao agnatiny ijy ary nipetraka niaraka tamin'ny mpiandry raharaha mba hahita ijay hiafarane.59Ary ny lehiben'ny mpisorona sy ny Synedriona manontolo die nitady fepangana tsy marina nanohitra an'i Jesôsy, mba mety hahafahan'dreo mamono an'Anaje.60 Tsy nahita n'ino n'ino areo, na die nisy mpijoro vavolombelogna maro tsy marina tonga aja teo. Ary kelikely avy teo die nisy roa tonga nagnatogna teo 61ary nijaka hoe:"Io lelahy io die nijaka hoe: 'Afaka mandrava ny Tempolin'Andriamanitra Iaho ary manangagna ijany koa afaka telo andro."'62Nitsangagna ny mpisorona-be ka nagnano tamin'Ajy hoe: "Tsy managna havaly ve anao? Ino ijany no empangan'dreo Anao ijany? " 63Fa nangigna Jesôsy. Hoy ny mpisorona-be taminajy hoe: "Mandidy Anao amin'ny alalan'Andriamanitra velogna iaho, jakay aminay laha Anao no Kristy, Janak'Andriamanitra."64 Jesôsy namaly hoe: "Vôlajanao. Fa lajaiko aminareo, manomboka iajao die ho hitanareo ny Janak'Olo hipetraka eo an-tanakavavanan'ny Hery, ary ho tonga eo amin'ny rahon'ny lanitra."65Avy teo ny mpisorona-be nandrota ny ankanjony ary nilaja hoe: "Nijaka ratsy Ijy! Nagnino antsena no bola mila mpijoro vavolombelogna? Ary, regninareo ny fijakana ratsy jao. 66Ino hevitrareo?" Namaly areo ary nagnano hoe: "Mendrika ho faty Ijy."67Avy teo areo nandrora ny vatagne sy namioke Anajy, ary namely tefake Anajy, 68ary nagnano hoe: "Maminania aminay, ry Kristy. Ija no namely Anao?"69Ary Petera nipetraka ivelan'ny kianja, ary nisy mpanompo vavy tonga nagnatogna Anajy nijaka hoe: "Anao mandy koa niaraka tamin'ny Jesôsin'i Galilia."70 Fa nandà ijany teo alohan'dreo ijy, magnano hoe: "Tsy fantako ijay resahinareo."71Laha efa nivôka ny vavahady ijy, die nisy mpanompo viavy hafa nahita anajy ary nijaka tamin'ireo ijay teo hoe: "Itoy lelahy itoy mandy koa die niaraka tamin'i Jesôsy avy agny Nazareta.72 Mbola nandà mandy ijy niaraka tamin'ny fianianana hoe:" Tsy fantatro ijany lelahy ijany!"73Laha afaka kelikely die nagnatogna areo ijay nitsangagna teo ary nijaka tamin'ny Petera hoe: "Anao mandy koa die tena raike amin'dreo io, fa ny fomba firesakao die mepanga anao, " 74Avy teo ijy die nanomboka nagnojogna sy niniana ka nagnano hoe: " Tsy fantatro ijany lelahy ijany." Ary teo no ho eo die nagneno ny akoho.75 Tsarôn'ny Petera ny jaka nambaran'i Jesôsy hoe: "Bola tsy magneno ny akoho die handà Anahy intelo anao. " Avy teo ijy nivôka ary nitagny fatratre.
Chapter 27

1Ary laha efa avy ny maraigna, die nitetike hanohitra an'i Jesôsy mba hamono An-dreo lehiben'ny mpisorogna sy ny loholona manontolo. 2Areo namatotre Anajy, nitarika Anajy tagny ivelane, ary nanolotra Anajy tamin'i Pilato governora.3Ary Jodasy, ilay namadike Anajy, laha efa nahita fa vôheloka Jesôsy, die nibebake ijy ary namerigna ireo volafotsy telopolo tamin'ireo lehiben'ny mpisorogna sy ireo loholona, ary namerigna ny volafotsy telopolo tamin'ny lehiben'ny mpisorogna sy ny loholona, 4ary nijaka hoe: "Nanota iaho tamin'ny namadihako rà tsy manan-tsigny." Fa areo nijaka hoe: " Ahônay ino? Anao ijane." 5Die natily tao am-pengonana ny volafotsy, ary nienga, sy nivôke ary nagnatogna ny tegnany Ijy.6Ny lehiben'ny mpisorogna nangala ireo volafotsy ary nijaka hoe: "Tsy ara-dalàna ny mametrake ity ao amin'ny fitehirijam-bola, satria ity die vidin-drà. " 7Niara-niresake ny olagna areo ary nivanga ny sahan'ny mpanao vilagny tanimanga ijay handevegnana ny vahiny tamin'ny vola.8 Ary ijany no antone nagnantsovana ijany saha ijany hoe: "Sahan'ny Rà" hatramin'ijao.9Ary die tanteraka ijany vôlaja tamin'ny mpaminagny Jeremia, magnano hoe: "Nangala ny volafotsy telopolo areo, vanga nanombagnan'ny vahôkan'Israely Anajy, 10ary areo nagnome ijany ho an'ny sahan'ny mpanao vilagny tanimanga, araka ny natoron'ny Tompo anahe."11Ary Jesôsy nijoro teo alohan'ny governora, ary ny governora nagnotany Anajy hoe, "Anao ve no mpanjakan'ny Jiosy?" Jesôsy namaly anajy hoe: "Vôlajanao." 12Fa laha efa nampangain'ny lehiben'ny mpisorogna sy ireo loholona Ijy, die tsy namaly n'ino n'ino. 13Die nijaka taminajy Pilato hoe: "Tsy regninareo ve ny fepangana rehetre atao aminao?" 14Fa tsy namaly na die teny raike aja Ijy, jendagna tanterake noho ijany ny governora.15Ary isakin'ny fifalefalena die fomban'ny governora ny mamotsotra gadra raike vôfidin'ny vahôke.16 Tamin'io fotôgna io, nanagna gadra malaja ratsy antsovana hoe Barnabasy areo.17Noho ijane laha efa niara-niangona areo, die hoy Pilato tamin-dreo hoe: "Ija no tienareo halefako hônareo? Barnabasy, sa Jesôsy ijay angehina hoe Kristy?" 18Fantany fa nohon'ny felognana no nanoloran'dreo an'i Jesôsy taminaje.19 Laha nipetrake teo amin'ny seja fitsarana ijy, die nandefa teny taminaje ny vadine ary nagnano hoe: "Tsy managna n'ino n'ino atao amitoy lelahy tsy mana-tsigny toy aho. Fa ory lôtre iaho androany nohon'ny nofy ajoko momba Anaje."20Ary ny lehiben'ny mpisorogna sy ny loholona nandresy lahatra ny vahôke mba hangatake an'i Barnabasy, ary hampamono an'i Jesôsy. 21Nagnotane andreo ny Governora hoe: "Ija amin'ijy roe no tienareo halefako hônareo?" Hoy areo hoe: "Barnabasy." 22Pilato nijaka tamin'dreo hoe: "Ino no tokony ataoko amin'ny Jesôsy ijay angehina hoe Kristy?" Ijy rehetre namaly hoe: "Fantsiho amin'ny hajofijaliana Ijy."23Die hoy Ijy hoe: "Nagnino, ino no heloka namboarine? "Fa vô maike areo nihekeka mahare hoe: " Fantsiho amin'ny hajofijalena Ijy." 24Fa laha efa hitan'i Pilato fa tsy afaka hanao n'ino n'ino ijy, kanefa efa nanomboke ny tabataba, die nangala rano ijy, nanasa ny tanagne talohan'ny vahôke, ary nagnano hoe: "Tsy manan-tsigny amin'ny ràn'itoy lelahy tsy manan-tsigny itoy aho. Fa asanareo ijane."25Ny olo manontolo nijaka hoe: ''Hôminay sy ny janakay anie ny ràne." 26Die nalefane hôndreo i Barnabasy, fa namely karavasy an'i Jesôsy ijy ary nanolotre Anajy ho fantsihina.27Avy teo ny miaramilan'ny governora nangala an'i Jesôsyhandeha ao an-dapa ary namory ny vondrogna miaramila daholo. 28Nangala ny fitafena areo ary nampanao akanjo jaky Anaje.29 Nagnambôtre satro-boninahitre tsilo areo ary nametrake anijay tan-dohane, ary nametrake tehigna tamin'ny tagnane ankavanana. Nandohalike tanatrehane areo sady nagneso Anaje,nagnano hoe: "Arabaina, ry mpanjakan'ny Jiosy!"30Nandroran'dreo Ijy, ary nalain'dreo ny tehigna die nifihina Anaje maro be tamin'ny lohane.31 Laha efa avy nagneso Anaje areo, die nangala ny akanjo lavane ary nampanôvina Anaje ny fitafene, ary nitondra Anaje nivoke mba hamantsike Anajy amin'ny hajofijalena.32Laha efa nivôke areo, die nahita lelahy raike avy agny Syrena antsovana hoe Simona, ijay noterrn'dreo hiarake amin'dreo mba hampilanjaina ny hajofijalene. 33Nandeha amin'ny toerana antsovana hoe Golgota areo, ijay midika hoe "Toeran'ny Karandoha." 34Namen'dreo divay mifangaro amin'ny afero Ijy mba ho sotroina. Fa laha efa nandramane ijany, die tsy nisotro Ijy.35Laha efa nofantsihin'dreo tamin'ny hajofijalena Ijy, die nataon'dreo loka ny fijarana ny fitafene,36 ka nipetrake areo ary nijanogna niambigna Anaje. 37Tambonin'ny lohane no nametrahan'dreo soratre milaja hoe: "Itoy no Jesôsy, mpanjakan'ny Jiosy."38Nisy jiolahy roe nofantsihina niarake taminaje, ny raike tankavanane ary raike tankavia. 39Ijay nandalo die nanevateva Anaje, Nanivingivigna ny lohan'dreo 40ary nagnano hoe "Anao ijay handrava ny fengonana ary hagnambôtre ijany ndraike ao agnatin'ny telo andro, vonjeo ny tegnanao! Laha Anao no Janak'Andriamanitra, midignà avy egny amin'ny hajofijalena!"41Hôtran'ijany koa ny lehiben'ny mpisorogna nagneso Anaje, niarake tamin'ny mpanora-dalàna sy ny loholona, ary nijaka hoe: 42"Nagnavotre ny hafa Ijy, fa tsy afake magnavotre ny tegnany. Ijy no mpanjakan'Israely. Avilao Ijy hidigna egny amin'ny hajofijalena, ary die hino Anaje antsena.43Natoky an'Andriamanitre Ijy, avilao Andriamanitre hamonjy Anajy ijao, laha mankasitrake ny hagnafaka Anajy Andriamanitre. Fa na Ijy aja die nijaka hoe:' Iaho no Janak'Andriamanitre."' 44Hôtran'ijany koa ny jiolahy ijay nofantsihina niaraka taminajy nijaka fanevatevana taminajy mandy koa.45Ary nanomboka tamin'ny ora fahaenina die nandrakotre ny tany manontolo ny hejigna ka hatramin'ny ora fahasivy.46 Teo amin'ny ora fahasivy, die nihieka tamin'ny feo mafy Jesôsy ary nagnano hoe: "Ely, Ely, lamà sabaktani?" Ijay midika hoe: "Andriamanitro, Andriamanitro, nagnino no nandao Anahy Anao?" 47Laha efa regnin'ny saragne tamin'ny ijay nitsangagna teo ijany, die hoy areo: "Mangaike an'i Elia Ijy."48Teo no ho eo die nihajakajaka ny raike tamin'dreo ary nangala spaonjy, namonto ijany tamin'ny vinaingitre, nametrake ijany tamin'ny tohitohigna bararata, ary nagnome ijany Anajy mba hosotroina.49 Ny saragne tamin'dreo nijaka hoe: "Avilao Ijy. Hitantsena eo laha ho tonga hamonjy Anajy Elia."50 Die nihieka tamin'ny feo mafy ndraike Jesôsy ary nanolotre ny fagnahine.51Kay, ny lamban'ny fengonana nitriatra roe avy hatagny ambone ka hatagny ambane, ary nihorohoro ny tany, ary vaky nisasaka ny vatolampy. 52Nisokatre ny fasagna, ary ny fatin'ny olon'Andriamanitra maro ijay nodimandre die natsangagna. 53Areo die nivôka avy tao amin'ny fasagnatafaran'ny fitsanganany tamin'ny mate, niditre ny tanàna masina, ary niseho tamin'ny maro.54Ary ny kapiteny sy ijay nijaha an'i Jesôsy laha efa nahita ny horohoron-tany sy ny java-niseho, die lasa nangoaigna mafy ary nagnano hoe: "Janak'Andriamanitra marina itoy."55 Nisy viavy maro ijay nagnarake an'i Jesôsy hatagny Galilia mba hikarakara Anajy teo nijaha avy egny alavitre. 56Tamin'dreo Maria Magdalena, Maria endrin'ny Jakoba sy Josefa, ary ny endrin'ny janakalahin'i Zebedio.57Laha efa hariva ny andro, die nisy lelahy raike manan-karena avy agny Armatia tonga, antsovana hoe Josefa, ijay mpianatr'i Jesôsy mandy koa. 58Nagnatogna an'i Pilato ijy ary nangataka ny fatin'ny Jesôsy. Die nibekon'i Pilato omena anajy ijany.59Nangala ny faty Josefa, namono ijany tamin'ny lamba rongony madio, 60ary nampandry ijany tamin'ny fasagne vaovao ijay nolavahane tamin'ny vatolampy. Die nagnakodia vato lehibe hanohigna ny varavaran'ny fasagna ijy ary nivôke. 61Maria Magdalena sy ny Maria hafa die teo, nipetraka teo agnidran'ny fasagna.62Ny andro magnaraka, ijay andro afaran'ny fagnomana, die niara-niangogna tamin'i Pilato ny lehiben'ny mpisorogna sy ny Fariseo.63 Hoy areo hoe: "Tompoko, tadidinay fa tamin'ny mbola velogna igny mpamitaka igny, die hoy Ijy hoe: 'Afaran'ny telo andro, die hitsangagna koa Iaho.'64 Ka noho ijany, mandidia mba ho ambenana ny fasagna hatramin'ny andro fahatelo, laha tsy ijany ny mpianany mety ho avy ary hangalatra Anajy die hijaka amin'ny olo hoe: 'Nitsangagna tamin'ny maty Ijy', ary ny fitaka farany die ho ratsy noho ny tamin'ny vôlohane."65Hoy Pilato tamin'dreo hoe: "Mangala mpiambigna. Mandihana ary ambeno tsara araka ijay vitanareo ijany." 66Die nandeha areo ary niambigna ny fasagna, nagnisy tombo-kase ny vato ary nametrake ny mpiambigna.
Chapter 28

1Ary tamin'ny alignan'ny Sabata, laha vô nanomboke najava-ratsy ny andro vôlohany amin'ny herignandro, die nienga nandeha nijery ny kobory Maria Magdalena sy ilay Maria raike hafa. 2Indro, nisy horohoro-tany be, fa ny anjelin'ny Tompo no nidigna avy agne an-dagnitre, avy ary nanosike ny vato, ka nitoboke teo ambonin'ijane.3Ny endrikane die hôtran'ny tselatre, ary ny akanjone die fotsy hôtran'ny oram-panala.4 Reki-tahotre ireo mpiambigna ka nanjary hôtran'ny lelahy maty.5Nivoria tamin'ireo viave ilay anjely ary nijaka tamin-dreo hoe: "Aja matahotre, fantatro fa mandremby an'i Jesôsy anareo, ilay nifantsihana tamin'ny hajofijaliana. 6Tsy ato Ijy, fa efa nitsangagna, araka ny efa nivorianine. Avia jahay ny toerana ijay natorian'ny Tompo. 7Mandihana malaky ary jakay ireo mpianatrane hoe: "Nitsangagna tamin'ny mate Ijy. Indro, efa nandeha nelohake anareo agny Galilea Ijy. Agne no hahitanareo an'Aje." Indro, efa nivorianiko taminareo."8Nandao nalaky ny kobory tamin-tahotre sy tamin'ny hafaliena makadiry ireo viave, ary nihajakajake mba hijaka ireo mpianatrane. 9Indro, nihaogna tamin-dreo Jesôsy ary nijaka hoe: "Akory aby! Nagnantogna ireo viave, nitagna ny hongone ary nidera an'Aje.10 Ary avy teo Jesôsy nijaka tamin-dreo hoe: "Aja matahotre. Mandihana mijaka amin'ireo rahalahiko mba hienga ka hegnagne Galilia. Agne no hahitan-dreo an'Ahe."11Ary laha mbola igny nandeha igny ireo viave, igne, ny saragne tamin'ireo mpiambigna negnagne amin'ny tanàn-dehibe ary nijaka tamin'ny lohan'ny mpisorona ny raha abiaby ijay niseho. 12Laha nihaogna tamin'ireo loholona ny mpisorona ary nivoria mahakasikan'ny olagna tamin-dreo, die nagnome vola be an'ireo miaramila areo13 ary nijaka an-dreo hoe: "Jakay amin'ireo hafa hoe: "Avy tamin'ny andro aligna ireo mpianatr'i Jesôsy ary nangalatra ny vatagne laha mbola nandre ahay."14Laha avy agny amin'ny governora ijane tatitra ijane, die handresy lahatre an'aje antsena ary hangala ny ahiahy aminareo.'' 15Ary die nalain'ny miaramila ny vola ary nagnano araka ijay efa nivorianine an'aje areo. Ary ijane tatitra ijane die niparitake teo amin'ireo Jiosy ary mitohy mandrak'androany aja.16Fa negnagne Galilea ireo mpianatra raikambifolo, tagne amin'ny tendrombohitre ijay efa natoron'i Jesôsy an-dreo. 17Laha nahita an'Aje areo, die nidera an'aje, fa ny saragne koja nagnahiahy.18Nagnantogna an-dreo Jesôsy ka nivoria tamin-dreo ary nijaka hoe: "Efa nomena an'Ahe ny fahefana abiaby agne an-dagnitre sy etiky an-tane. 19Ka mandihana ary atôvy majary mpianatrako ny firenena abiaby. Atôvy batisa areo amin'ny agnaran'Iaba, ny Janaka, ary Fanahy Masina.20Ampenaro areo hankatò ny raha abiaby ijay nandidiako anareo. Igne, miaraka aminareo fehijay Iaho, ieke fa na hatramin'ny fefaran'ijao tontolo ijao aja."

Mark

Chapter 1

1Itoy ny fetombohan'ny filajantsaran'i Jesôsy kristy, ilay janak'Andriamanitra. 2Arak'ijay vôsoratra ao amin'Isaia Mpaminany hoe: "Igny,iaho magniraka ny irako heloha anao, ilay raika hambôtre ny lalagnanao. 3Misy feo , regny mangaika mahare agny an'efitra hoe: "Atôvy vognona ny lalagn'i Tompo, atôvy mahitsy ny lalan-kombane."4Avy Jaona, ngnano batisa tagny an'efitra sady nitory ny batisan'ny fibebahana,hômin'ny famelan-keloka nohon'ny ota. 5Ny tanin'ny jodia abiaby sy ny mponina abiaby ao Jerosalema die nagnantogna an'aje. Natane batisa tao amin'ny onin'i Jordana areo, laha nagneky ny fahotane. 6Jaona die nagnano akanjo volon-drameva sady nagnano fehikibo hoditre teo am-baniane, die ampanga sy tintely remby no nohanine.7Nagnatoro ijy hoe: "Misy raike ho avy afarako ijay matanjaka mihôtra an'ahe, ary tsy mendrika iaho na die ny hamaha ny tadin-kapane aja. 8Iaho nagnano batisa anareo tamin'ny rano, fa izy koja hagnano batisa anareo amin'ny Fanahy Masina."9Tamin'ireo andro nevian'i Jesôsy avy agny Nazareta tao Galilia no nitranga ijany, ary natan'i Jaona batisa tao amin'ny onin'i Jordana Ijy. 10Laha vô nisandratre ny rano i Jesôsy, die hitany nivoha ny lagnitre, ary nijotso teo amin'Aje hôtran'ny voromamanga ny Fagnahy. 11Ary nisy feo avy tagny an-dagnitre nagnano hoe: "Anao no Janako malalako. Anao no sitrako."12Avy eo die nindôsin'ny Fagnahy ho agny an'efitra i Jesôsy. 13Efapolo andro Ijy no tagny an'efitre, nalain'ny satana fagnahy. Nitoboka niaraka tamin'ny bibidia Ijy, ary nanompo an'Ajy ireo anjely.14Ary laha vôsambotre Jaona, die avy tao Galilia Jesôsy nagnambara ny filajantsaran'Andriamanitra, 15ary nijaka hoe: "efa avy ny fotôgna, sady efa mariny ny fanjakan'Andriamanitra. Mibebaha die minoa ny filajantsara."16Laha nandeha tegny amoron-dranomasin'ny Galilia Ijy, die nahita an'i Simona sy Andrea rahalahin'i Simona nagnarato, satria mpagnarato areo.17 Hoy Jesôsy tamin-dreo hoe: "Andao, magnaraha an'Ahy, fa atako mpagnarato olo anareo." 18Vetivety teo die nagnavela ny harato areo die nagnaraka an'Aje.19Laha nandeha lavidavitre Jesôsy, die nahita an'i Jakoba janak'i Zebedio sy Jaona rahalahine; ijay tao an-tsambokely nambôtre ny harato.20 Nangaika andreo Ijy ka die nilôjany tao an-sambokely avy hatrany Zebedio iabane niaraka tamin'ireo mpikarama, ka nagnaraka an'Ajy areo.21Avy eo die avy tao Kapernaomy areo, ary tamin'ny andro Sabata, die niditre tao amin'ny synagoga Jesôsy ary nampianatre.22 Jendagna tamin'ny fampianarane areo, satria nampianatra an-dreo hôtran'ny olo managna fahefana Ijy fa tsy hôtran'ireo mpanora-dalàna.23Avy eo nisy lelahy raike tao amin'ny synagogan-dreo, ijay nisy fagnahy maloto nirijatra mafy, 24nagnano hoe: "Ino moa no hifandresanay aminao, ry Jesôsy avy agny Nazareta? Avy hanimba anay ve anao? Fantako hoe ija anao. Anao ilay masin'Andriamanitra!" 25 Nijaka mahare ny demonia Jesôsy ka nagnano hoe: Mandregnina die mivoaha amin'aje!" 26Ary ilay fagnahy maloto nandavo an'ajy sady nivôka tamin'aje ka nangaika tamin'ny feo mahare.27Jendagna ny olo abiaby, ka nifagnontany areo hoe: "Ino itoy? Fampenarana vaoavao misy fahefana? Bekoine na die ireo fagnahy maloto aja die magneke anajy areo!" 28Ny vaoavao mahakasika an'Ajy die niboely tegny abiaby tegny tao amin'ny faritr'i Galilia ray manontolo.29Laha avy nibôke ny synagoga, die tonga tandragnon'i Simona sy Andrea areo, niaraka tamin'ny Jakoba sy Jaona. 30Ary ny rafojam-bavin'i Simona natory voan'ny tajo, ka nijakain-dreo an'i Jesosy ny momba an'aje. 31Die nagnantogna Ijy, ka nandray an'ajy tamin'ny tagnane, die nagnarigna an'aje; die afaka ny tajone, ary nanomboka nanompo an'Ajy areo.32Tamin'io sondrogn'andro io, tafaran'ny fodian'ny masoandro, die nindôsin-dreo teo amin'Aje ijay narary na misy demonia. 33Tafangogna niaraka teo ambaravaragna ny tao an-tanàna abiaby. 34Nagnasitragna olo maro ijay nararin'ny aretigna sambihafa Ijy sady nandrôke demonia maro, fa tsy navelany hijaka ireo demonia satria nahalala an'Aje areo.35Nifoha maraigna be Ijy, laha mbola mejigna ny andro; nenga teo Ijy die nandeha tagny amin'ny toerana mitokagna ary teo Ijy no nivavake. 36Nandrembe an'Ajy Simona sy ireo ijay niaraka tamin'Aje. 37Nahita an'Ajy areo ary nijaka tamin'Ajy hoe: "mandrembe anao ny olo abiaby. "38Hoy ijy hoe: "Andao antsena ho agny amin'ny toeran-kafa, agny ivelany ao amin'ireo tanana hafa magnodidigna, mba hahafahako mitory teny agny koa. Fa ijany no antony niboahako tatoy."39 Die nitety an'i Galilia manontolo Ijy, nitory teny tao amin'ny synagogan-dreo sady nandrôka demonia rahabe.40Nisy boka raike avy tamin'Ajy teo. Nitaraigna taminajy ijy; nandohalike tamin'Ajy teo sady nijaka tamin'Ajy hoe: "Laha sitrakao, die afaka magnadio an'ahe anao." 41Nalahelo an'ajy, die nagnitsy ny tagnany Jesôsy ary nitsamo an'aje, nijaka tamin'ajy hoe: "Sitrako. Madiova anao." 42Nenga tamin'Ajy eo no ho eo ny habokane, ary nadio ijy.43Namepetra an'ajy mafy Jesôsy die nadefa an'ajy. 44Hoy Ijy tamin'ajy hoe: "Tandremo tsy hijaka n'ino n'ino amin'ija na amin'ija anao, fa mandihana, atoroy amin'ny mpisorona ny tegnanao, ary manôva fagnatitra nohon'ny fagnadiovana anao araka ny nandidian'i Mosesy anao,mba ho fijorôna vavolombelogna ho an-dreo."45Die nibôke ijy ary nanomboka nijaka tamin'olo abiaby sy nagnely lôtra ny teny ka die tsy afaka niditre an-kalalahana tagny amin'ny tanàna abiaby koa Jesôsy. Ka nipetraka tagny ivelany tagny amin'ny toerana mitokagna Ijy ary nagnantogana an'Ajy ny olo avy amin'ny toerana abiaby.
Chapter 2

1Laha nipody tagny Kaperinaomy Ijy afake andro vitsivitsy; die raha tao andragno Ijy.2 Be tokotre ny olo nivotrovotro teo kay ka tsy nisy fitobohana koa. Na die ny ambarangaragna aja, ary nijaka tamin'dreo Jesôsy.3Die nisy lelahy rahabe nagnatogna Anaje jay nitondra lelahy maleme raike; ijay nitakonan''olo efad'ahy.4 Laha tsy afake nagnatogna Anaje mariny areo nohon'ny hamarôn'ny fokon'olo, dia nongotan'dreo ny tafo-tragno ijay teo ambonin'i Jesôsy, die laha vôongotran-dreo, die najotsondreo ny fandrena ijay nandren'ilay lelahy malemy.5Laha nahita ny finoandreo, die hoy Jesôsy tamin,ny lelahy maleme hoe:'' Anake vôvela ny helokao.6 '' Die nisy saragne tamindreo mpanoradalana nitoboke teo, die nimenimenigna tampondreo hoe:7 '' Ahôna no ajahôn'io lelahy io mijaka hotran'jay? Mijaka ratsy Ijy! Fa tsy Andriamanitra rerike mandy ve no afake mamela heloke?8Fa Jesôsy nahafantatre sahady tao amin'ny fagnahiny ny raha nieritreretindreo.Die hoy ijy tamin'dreo hoe:'' Nagnino anareo no mieritreritre ijao raha jao ao am-ponareo?9 Ino no moramora kokoa ny mijaka an'ilay lelahy maleme hoe: 'Vôvela ny helokao ' sa ve hoe :'Merena, ingao ny fandrenao, die mandihana?10Fa mba hahafantaranareo fa managna fahefana hamela heloka etoy an-tany ny janak'olo, '' Hoy Ijy tamin'ny lelahy maleme hoe: 11''Jakaiko aminao, mievota, ingao ny fandrenao, die madihana agny andragnonao.12 Die niavotre ijy ka nagnenga ny fandrene avy hatragny, ary nivôke an'ilay tragno agnatrehan'ny abiaby, ka die jendagna ijy dahôlo ka nagnome voninahitre an'Andriamanitre, die hoy areo hoe : ''Tsy mbola nahita raha hôtran'toy ahay.13Avy eo nivoke teo amoron-dranomasina indraike Ijy, die nagnotagna anajy aby ny fokon'olo, die nampenarine andreo.14 Ary laha nandalo Ijy, die nahita an'Levy janak'i Alfeo nitoboke teo amin'ny toerana famorena hetre die hoy Ijy taminy hoe : ''Magnaraha anahe.'' Die niavotra ijy ka nagnarake Anaje.15Nihinagna tao andragnon'i Levy Jesôsy ary mpamory hetra sy ny olo mpagnota rahabe no niaranihinagna taminy sy ireo mpianany, fa rahabe areo no tao die nagnarake an'Ajy.16 Ndre areo mpanoradalana, jay Fariseo, laha nahita an'i Jesôsy niaranihinagna tamin'reo olo mpanota sy reo mpamory hetre, die nagnotany ny mpianany hoe:'' Nagnino ijy miara mihinagna amin'ny mpamory hetre sy olo mpagnota?''17Raha naharegny an'jay Jesôsy die hoy Ijy tamin'dreo hoe: ''Tsy ny salama no mila mpitsabo; fa ijay marare rery mandy no mila ijany. Tsy avy hangaike ny olo-marina iaho, fa ny mpagnota.''18Die nifady hanina areo mpianatr'i Jaona sy ireo Fariseo. Lelahy rahabe no nagnatogna anaje ka nijaka tamin'ajy hoe: ''Nagnino ny mpianatr'i Jaona sy ny mpinatr'ireo Fariseo no mifady hanina, fa ny mpianatrao koja tsy mba mifady?'' 19die hoy Jesôsy tamin-dreo hoe: ''Afake mifady hanina ve ny mpagnatrike ny fampekarana laha mbola eo ny mpampiakatre? Laha mbola miarake amin'ajy ireo eo ny mpampiakatre, die tsy afake mifady hanina ijy ireo.20Ho avy ny andro hangalana ny mpampakatre eo amin'ajy ireo, die amin'jay andro jay, no hifady hanina areo.21 Tsy misy manampogna lamba hambo amin'ny lamba vaovao, laha tsy ijany die henga amin'ajy ilay tapa-damba, ny vaovao hienga amin'ny taloha,die vo meke ho ratsy ny faharotane.22Die tsy misy olo magnisy divay vaovao ao agnaty siny hoditre hambo, raha tsy jay die ho rotan'ny divay ny hoditre ka samby ho very ny divay sy ny siny hoditre. Fa koja, divay vaovao atao ao agnaty siny hoditra vaovao.''23Tamin'ny andro sabata Jesôsy nenga tegne amin'ny hosy rahabe, die nanomboke nipitibare ny mpianane. 24Die hoy ireo Fariseo Taminajy: ''Jahao, nagnino areo no magnano raha tsy araky ny lalànan'ny andro sabata?''25Die hoe ijy tamin'dreo hoe: '' Mbola tsy nivakinareo angahatre ijay namboarin'i Davida laha tao agnatin'ny tsy fahampena sy ny mosare ijy- sy ireo lelahy niarake tamin'aje- 26nanao akore ny fomba nidirane tao an-dragnon'Andriamanitra tamin'andron'i Abiatara mpisorognabe, die nihinagna ny mofon'ny fagnatrehana, ijay tsy ara-dalàna hon'ija na ija ny mihinagna ajy hafa tsy ny mpisorona mandy, die mbola nagnomejane rahabe ireo ijay nagnaraka anaje?''27Jesôsy nijaka hoe: ''Ny sabata die namboarina hon'ny janak'olombelogna, fa tsy ny janak'olombelogna no ho an'ny sabata. 28Noho jany, ny janak'Olo no Tompo, ndre die amin'ny sabata aja.''
Chapter 3

1Die nandeha tao amin'ny synagoga koa Jesôsy ary nisy lelahy maty tagnana tao . 2Nijaha akeke an'Ajy ny olo saragne mba hahita laha hagnasitragna an'ajy amin'ny Sabata ijy mba ajahoan-dreo magnameloka an'Ajy.3Hoy Jesôsy tamin'ilay lelahy maty tagnana hoe: Mitsangana ary mijoroa eto agnivon'olo abiaby eto. 4Die nijaka tamin'olo Ijy hoe: " Ara dalana ve ny magnano tsara amin'ny andro Sabata sa ny magnano ratsy; ny magnavotra aigna sa ny mahafate?" Nefa areo tsy nahajaka.5Nijaha an'ajy tamim-pahavignirana Jesôsy, ary nalahelo Ijy nohon'ny hamafin'ny fon-dreo, dia nijaka tamin'ilay lelahy Ijy hoe: ''Amparo ny tagnanao." Die namparin'ilay lelahy ny tagnany ka sitragna. 6Nivôke ireo fariseo nikonokonona niaraka tamin'ny Herodiana handrembe ijay fomba malaky hamonôna an'Aje.7Avy eo Jesôsy, niaraka tamin'ireo mpianany, nenga egne an-dranomasina, ary nisy vahôke rahabe nagnarake avy agne Galilia sy avy agne Jodia 8ary avy agne Jerosalema sy avy agne Edoma ary hatragne amin'ny onin'i Jordana sy magnodidigna ny Tyra sy Sidona. Laha naharegne momba ireo raha namboarine areo, dia nisy vahôka rahabe nenga eo amin'Ajy.9Die nampandrembe sambokele ny mpianany Jesôsy ho an' Ajy nohon'ny habetsaky ny olo teo, mba tsy hifanolahan'olo Ijy. 10Noho Ijy Nagnasitragna olo rahabe, dia nifandrombaka nagnatogna an'Ajy ny olo abiaby ijay nanagna aretigna mba hikasika an'Aje.11Isake ny nahita an'Ajy ireo fagnahy maloto, die niankohoka teo alohane ary nihiake, ary hoy areo hoe: "Anao no janak'Andriamanitra." 12Nojakainy mahare areo mba tsy hampahalala an'Ajy .13Nagnanike tegny an-tendrombohitra Ijy, ary nangaika ireo ijay tiane, die nienga eo amin'Ajy areo. 14Nanendry ireo roambinifolo Ijy (Ijay nangehany hoe Apostôly), mba hahafahan-dreo miaraka amin' Ajy sy hafahane mandefa an-dreo mitory ny hafatre, 15ary hanagna fahefana handrôke demonia. 16Avy eo die nanendry ireo roambinifolo Ijy: Simôna, ijay namene agnarana hoe Petera;17Jakôba janak'i Zebedio, sy Jaona rahalahiny, ijay nameny ny agnarana hoe Boanarijesy, ijay midika hoe Jana-baratra; 18ary Andrea, Filipo, Baritolomeô, Matio, Tômasy, Jakôba janak'i Alfeô, Tadeô, Simôna Zelota, 19ary Jodasy Iskariota, ijay hamadika an' Aje.20Die nody tagny an-dragnony Ijy, ary niarak'avy koa ny vahôke, hany ka tsy afaka nihinagna akory areo. 21Laha naharegne ny momba ijany ny fianakiaviane, die nivôka areo hangala an'aje, satria nojakain-dreo ijy hoe : Very saigna Ijy.'' 22Ary ireo mpanora-dalàna ijay nidigna avy agny Jerosalema dia nijaka fa :" Ipetrahan'ny Belzeboba Ijy," ka, Amin'ny alalagn'ny mpanapaky ny demonia no androahany ny demonia."23Die nangehin' Jesôsy ho eo amin'Aje areo ka nijaka an-dreo tamin'ny alalan'ny fagnoharana hoe: "Ahôna no hahafahan'i Satana mandrôka an'i Satana?" 24Laha misy fanjakana miady an-dragno, dia ho rava ijany. 25Ary raha misy tokan-tragno miady an-dragno, die tsy hateja ijany tokan-tragno ijany.26Laha nitsangana nanohitre ny tegnane Satana ary nisarake, dia tsy hateja ka hifaragna. 27Fa tsisy afaka miditre ao an-dragnona lelahy matanjaka raike ary mandroba ny fanagnane laha tsy mamehe an'ilay matanjaka aheke, ary handroba ny tragnony ijy avy eo.28Jakaiko marina aminareo, ho vôvela aby ny heloky ny janak'olombelogna, na die ireo jaka ratsy abiaby ijay avôkan'ny vavany aja, 29fa ijay mijaka ratsy ny Fanahy Masina koja die tsy ho vôvela heloka mandrakijay, fa meloke nohon'ny ota mandrakijay." 30Nagnambara ijany Jesôsy nohon'ny filajan-dreo hoe: "Managna fagnahy maloto Ijy."31Avy eo die avy i endrine sy ireo rahalahine ary nitsangana tegne ivelagny. Nandefa olo nampahafantatra an'Ajy areo, ka nampangaika an'Ajy. 32Nitoboka magnodidigna an' Ajy ny vahôke ary hoy areo tamin'Ajy hoe: "I endrinao sy ireo rahalahinao die ao ivelagne ao mandrembe anao areo."33Ary Ijy namaly hoe: "Ija no endriko sy rahalahiko?" 34Ary nijaha nagnodidigna an'Ajy Ijy ary hoy Ijy hoe:"Jahao, ireto ny endriko sy rahalahiko! 35Fa na Ija na Ija magnano ny sitrapon'Andriamanitra, die ijany olo ijany no rahalahiko sy anakaviko, ary endriko."

Chapter 4

1Ary nanomboke nampianatra teo amoron'ny ranomasina koa Ijy, ary nisy vahôke rahabe nivory nagnodidigna an'Ajy. Niditra tao an-tsambokely ijay teo an-dranomasina Ijy, die nipetrake tao amin 'ijany, Ny vahôke abiaby koja die nijanogna teo amoron'ny ranomasina. 2Nampianatra an-dreo raha maro tamin' ny alalan'ny fagnoharana Ijy, ary tao amin'ny fampianarane, die ijao no nojakainy tamin-dreo.3Tenoy, nisy mpamafy handeha hamafy voa. 4ary laha namafy ijy, die nisy voa saragne niraraka tamin'ny lalagna, ka avy ireo vorogna die nihinagna an'ijany. 5Ny voa saragne nirarake tamin'ny tany feno vatovato, ijay tsy nisy tany firy. Avy die naniry avy hatragny ijy iregny, satria tsy laligna ny tany nisy an'ajy.6Laha nipôka ny masoandro, die nalajo ijy ireo, satria tsy nisy vahany ijy ireo die maigna. 7Ny voa hafa niraraka tamin'ny tany feno tsilo. Ary naniry niha-lehibe ireo tsilo ireo die nangeja an' ajy ka tsy nagnome voa.8Ny voa hafa niraraka tamin'ny tany tsara ka namokatra voa teo am-pitomboana ary nihamaro, ary ny saragne nitombo avo telopolo hegny, ny saragne enimpolo, ny saragne zato. 9Avy eo die hoy Ijy hoe:" Ijay manan-tadigny hiteno, ôka ijy hiteno! ''10Laha rerike Jesôsy, die nanontagne an' Ajy momba io fagnoharana io ireo ijay akeky an' Ajy sy ireo mpianany roambinifolo. 11Hoy Ijy tamin-dreo hoe. Ho anareo no nanomejana ny raha-takon'ny fanjakan' Andriamanitra. Fa ho an-dreo ijay agny ivelany die fagnoharana aby, 12mba amin'ny fotôgna hijahan-dreo, eka hijaha areo, nefa tsy hahita, ary mba amin'ny fotôgna hitenoan-dreo, eka hiteno areo, nefa tsy hahafatantre an'ijany, na koa hiodigna areo die hamindra fo amin-dreo Andriamanitra.''13Ary hoy Ijy tamin-dreo hoe:"Tsy ajonareo ve ijany fagnoharana ijany? Ahôna ijany no hajahoanareo ireo fagnoharana abiaby hafa ? 14Ilay mpamboly ijay namafy ny voa die ilay raike ijay namafy ny teny. 15Ireto no ilay niraraka teny an-dalagna, ijay namafajana ny teny, fa laha regnin-dreo ijany, die tonga avy hatragny Satana ary hangalatra ny teny ijay vôfafe tamin-dreo.16Ireto no ilay vôfafe tamin'ny tany feno vatovato, ijay, laha naharegny ny teny, die nandray ijany avy hatrany tamim-pifalena. 17Tsy misy fakany ao amin-dreo fa maharitra fotôgna fohy mandy. Die avy ny fahorena na ny fagnenjehana nohon' ny teny, ka avy hatrany die lavo areo.18Ireo hafa no ilay vôfafe tamin'ny tany feno tsilo .Regnindreo ny teny, 19fa ny fagnahian'ijao tontolo ijao, ny famitahan'ny harena, sy ny filàna ny raha hafa die tafiditra ka mangeja ny teny, ka tsy mamoa vokatre ijany. 20Ary ireo ijay vôfafe tegny amin'ny tany tsara, die ireo ijay maharegny ny teny ary mandray an ijany, ka namoa vokatra ijy ireo_ telopolo, enimpolo, na avo zato hegnin'ijay nafafe. "21Jesôsy nijaka tamin-dreo hoe : "Moa indôsinao an-dragno ve ny jiro mba hapetraka ambany tanty, na ambany farafara? Indôsinao miditra ijany die hapetrakao ambony fipetrahan-jiro. 22Fa tsy misy raha takogna ijay tsy ho fantatre, ary tsy misy tsiambaratelo ijay tsy hibôke. 23Laha misy manan-tadigny hitenoana, ôka ijy hiteno!''24Hoy Ijy tamindreo hoe. "Mitandrema amin'ny teny ijay regninareo, fa arakarakin'ny ohatra agnoharanareo mandy, no agnoharana anareo, ary hampena aminareo ijany. 25Satria na ija na ija managna die amena be loholoho ijy, ary na ija na ija tsy managna, na ijay anagnany aja halaina amin'ajy."26Ary hoy mandy koa ijy hoe. '' Ny fanjakan'Andriamanitra dia hôtrin'ny olo raike mamafy ny voany amin'ny tany. 27Mandry ijy amin'ny aligna ary mifoha amin'ny maraigna ary ny voa die mitsimoke ka maniry, fa tsy fantany hoe akore. 28Ny tany die mamoa amin'ny tegnany mandy: vôlohany ny rantsagne, avy eo ny tahone, avy eo ny voa matoy amin'ny tahone. 29Ary Laha matoy ny voa die avy hatragne ijy die hampamaragna fa efa avy ny fotoam-pambilejana.''30Ary hoy mandy koa ijy hoe . ''Ino no ajontsena agnoharana ny fanjakan'Andriamanitra, na ino fagnoharana ampiasaintsena hangnajavana ijany? 31Ijany die hôtrin'ny voatsinampy ijay, laha hafafe, die ijy no voa bitika loholoho amin'ny voa abiaby eto ambonin'ny tany. 32Nefa, laha vôfafe ijany, die mitsimoke ary lasa angejabe noho ny hajo abiaby, ary mamoa rantsagna ngenja ka ajon'ny vorogna hamboarana ny tragnony eo amin'ny alokalokane.''33Ary fagnoharana maro hôtran' ijany no nagnambarane ny teny tamin-dreo, arak'ijay fajahoan-dreo an'aje, 34die tsy nijaka tamindreo laha tsy tamin'ny fagnoharana Ijy. Nefa laha rerika Ijy, die nohajavainy tamin-dreo mpianane manokagna ny raha abiaby .35Tamin'ijany andro ijany, laha avy ny sondrogn' andro die hoy Ijy tamin-dreo hoe : "Andao antsena hitsaka erôy agnilane. " 36Die niala tamin'ireo vahôka areo, nitondra an' i Jesôsy niaraka tamin-dreo, laha igny Ijy tao agnaty sambokely igny. Nisy sambokely hafa nandeha niaraka tamin-dreo. 37Avy eo nanomboka nisy tafio-drivotra be ary onjan-drano nanafotre ny sambokely ka efa seky feno rano ny sambokely.38Ary Jesôsy rery nandry teo ambodin'ny sambokely tambonin'ny ondagna. Nofohajin-dreo Ijy, nagnano hoe : ''Mpampianatrô, tsy mampagnino Anao ve raha ho faty eto antsena?" 39Ary nifoha Ijy, die nijaka mahare tamin'ny rivotra, ary nijaka tamin'ny ranomasina hoe: '' Mitrihea! marena! die nitrehy ny rivotra, ka nisy filamignane be.40Die hoy Ijy tamin-dreo hoe:"Nahôna anareo no vaka? Mbola tsy manam-pinôna mandy ve anareo?" 41Feno hangoegnana areo ka nifampijaka hoe: '' Ija moa itoy, fa na die ny rivotra sy ny ranomasina aja magneke an'Ajy?"

Chapter 5

1Tody tegny agnilan'ny ranomasina areo, teo amin'ny faritra Gerasena.2 Raha nienga avy lahatao amin'ny sambo kely Jesôsy, tonga die nisy lelahy raike ajon'ny fagnahy ratsy maloto nagnatogna anaje avy hategny amin'ny kibory.3Nitoboke tegny amin'ny kibory toy lelahy toy. Tsy nisy afaka nitazogna anazy koa, ndre die tamin'ny rojo vy aja.4 Vôfehe imbetsake tamin'ny gadry vy sy rojo vy ijy. Nitapahine rojo die potike ireo gadra vy. Tsy nisy managna hery namehy anajy.5Sak'aligna sy sanan'dro tegny amin'ny ireo kibory sy tegny an-tendrombohitre, die nikoaikoaike ijy die nandratre ny tegnany tamin'ny vato marangitre. 6Laha nitajagna an'ny jesôsy hatalavitre ijy, die nihajakajake nandeha eo amininy die nenkohike teo anatrehane.7Die nikoke tamin'ny feo mahare ijy hoe: ''Ino moa no ifandresako aminao, ry Jesôsy, janak'Andriamanitra Avo Indrindra? Mengavy anao amin'ny agnaran'Andriamanitra rery mandy iaho, aja mampijaly anahy. 8Die ijy nijaka tamin'ajy hoe: ''Mienga amin'io lelahy io, ry fagnahy maloto.9Die ijy nagnotany anajy hoe: ''Ija ny agnaranao?'' Die nivaleny hoe: ''Legiona no agnarako, satria rahabe ahay.10 ''Die nengavy mafy Taminy fehijay ijy tsy handroke andreo agny ivelagny faritra.11Die nisy lambo rahabe nihinagna tegny an-tendrombohitre,12 die nengavy tamin'dreo , nagnano hoe: ''Alefaso ao amin'ny lambo ahay; avilao ahay hiditre ao amin'dreo.''13ka die napetragne ijy reo; die nibôke ireo fagnahy maloto ka die niditre agny amin'ny lambo, ary tonga die nilefa tegny amin'ny haragna ho agne an-dranomasina areo, die lambo tagny amin'ny roe rivo teo no maty an-dranomasina.14Nenga nilefa ireo mpamahagna lambo die niresaka ny raha nisy tao an-tanàna sy tagny ambanivolo, die olo maro nivoke hijaha ny raha-nitranga.15 Die avy eo areo nandeha amin'i Jesôsy ary hitandreo ilay lelahy nipetrahan'ny demonia, ilay iray ijay nipetrahan'ny Legiona, nitoboke teo, nisikigna ary vory saigna; ka die nangoaigna areo.16Areo je-nahita ny raha-nitranga tamin'ilay lelahy nipetrahan'ny demonia die nitantara tamin'dreo ny momba ijany tamin'ny antsimpireny, ary koa nitantara ny momba ireo lambo tamin'dreo. 17die nanomboke nengavy anajy areo mba hialany amin'ny faritra an-dreo18Raha hiditra agnaty ny sambokely ijy, die nengavy tamin'ny lelahy nipetrahan'ny demonia mba hagnarake anaje.19 Feny tsy neken'ny Jesôsy ijy, fa niteny tamin'ajy hoe: ''diagny mody andragnonao sy amin'ny havanao dia resaho amin'dreo agny aby je namboarin'ny tompo taminao, sy namindrane fo taminao!'' 20die nandeha nody izy ka nanomboka nagnambara ny raha manambatrake namboarin'i Jesôsy tagny amin'ny tany Dekapolisy, die jendagna dôholo ny raimantolo.21Die raha nenga tagnilany tegny koa Jesôsy, tamin'ny sambokely, die io nisy fokon'olo rahabe nivorovoro magnodidina anaje, laha teo amoron-dranomasina igny ijy. 22 Aviteo avy ny raike amin'ny mpitarika ny Synagoga, antsoina hoe Jairo, ka laha vao nahita Anajy die nientily tamin'ny tongotrane.23 Niengavy fehijay fehijay ijy, nijaka hoe: ''Marary mafy tena efa ho fate ny janako vave. Mitalaho aminao iaho malaky die apetraho amin'ajy tagnanao mba hahafake sy hivelogna ijy.''24 Die nenga niarake taminy Ijy, die fokon'olo rahabe nagnarake sy nanere magnodidina Anaje.25Die nisy viavy raike teo voan'ny fahaverajan-drà nandritre ny roambinifolo taogna.26 Nijaly be tegnane ijy sady nitety mpitsabo rahabe sy namôgna ny fanagnany aby dahôlo, nefa tsy nahita fahasitragnana fa vômeke andre niharatsy.27 laha naharegne ireo tatitre moban'i Jesôsy ijy, die nandeha afarany tao agnaty fokon'olo ijy die nitsamo ny fitafene.28Satria hoy ijy hoe: '' laha mahatsamo ny lambane fotsine iaho, die ho hahafake.''29 laha nitsamo Anajy ijy, die nijanogna ny fahaverajan-drà, die tsapane fehijay agnatine fa nahafake tamin'ny eritigne ijy.30Fantatr'i Jesôsy niarake tamin'ijay fa nisy hery nenga hatamin'ajy. Niherike tagny amin'ny fokon'olo Ijy die nijaka hoe: ''Ija no nitsamo ny fitafieko?''31 die namaly anajy ireo mpianatrany hoe: ''Jahanao ireo fokon'olo rahabe mifanisike aminao ireo, die hoy Ianao hoe: ''Ija no nitsamo an'Ahy.''32 Fa nijaha ny magnodidigna anaje Jesôsy mba hahitane ijay nagnano ijany.33Ilay viavy, nahalala ijay niseho taminy, die nangoaigna sy nangitakitake. Nenga ijy die niantily teo alohan'i Jesôsy ka nijaka tamin'ajy ny marina rehetra.34 Die hoy Jesôsy tamin'ajy hoe :''Janako, ny finônao no nampahafake anao. Mandihana amin'ny fedanana ary mahafahà amin'ny aretignao."35Laha mbola nijaka Ijy, die avy ny olo saragne lahatagne amin'ny mpitarike ny synagoga, nagnano hoe: ''Efa maty ny janakao. Nagnino no mbola manahiragna ny mpampianatre mandy?''36Fa laha naharegny ijay nojakain'dreo Jesôsy, die hoe ijy tamin'ny mpitarike ny synagoga hoe: ''Aja mangoaigna. Minoa fotsiny mandy. '' 37Die tsy nakene hagnarake anaje, hafa-tsy Petera, Jakoba, die Jaona, rahalahin'i Jakoba.38 Avy tagne andragnon'ilay mpitarike ny synagoga areo die nahita olo naresake be teo ijy; nitomagny sy nigogogo mahare ijy reo.39Laha niditre ny tragno Ijy, die hoe ijy tamin'dreo hoe: ''Nagnino anareo no mitabataba sy mitagny? Tsy mate ny jaja fa mandre.''40 Nihehe Anajy areo. Nefa navôkane tagny ivelany areo ary nalainy ny iaba sy endrin'ilay jaja sy ireo jay niarake tamin'ajy, die niditre tagny agnefitre misy an'ilay jaja Izy.41Niresine ny tanagnan'ilay jaja die nijaka tamin'ajy hoe: ''Talita, Komy!'' die laha adika dia hoe: ''Rajajavave, mijaka aminao Iaho, miavota.''42 Tonga die niavotre rajajavave die nenga (satria roa ambin'ny folo taogna ijy). Jendagna sahady areo.43 Nijakainy mahare areo mba tsy hisy na ija na ija hafantatre ny momba an'jao. Avy eo die nampagnomejany raha hanina rajajavave.
Chapter 6

1Nandao anio toerana io Ijy ka namonjy ny tanindrajagne,2 Ary die nagnaraka andreo ny mpianatrany. ary laha avy ny andro sabata, die nampianatra tao amin'ny Synagoge ijy. Rahabe ny olo naharegne anajy ka jendagna areo. Die nijaka areo hoe: "avy aja no najahône anireo fampenarana ireo?" "Ino jao fahendrena ijay namena anajy jao?". "Ino ireo fahajindagnana ijay namboariny tamin'ny tagnany ireo?" 3"Tsy ilay mpandrafitre ve io, ilay janaky i Maria ary rahalahin'i Jakoba sy Josesy sy Jodasy ary i Simona? Tsy miaraka amintsena eto ve ireo anakavine?" Tohigna tamin'i Jesôsy ijy ireo.4Ary hoy Jesosy tamindreo hoe: "tsy misy mpaminangny tsy homen-kaja, hafa-tsy ao amin'ny tanindrajagne sy ao amin'ny havane akeky ary ao amin'ny ankohonany manokagna mandy." 5Tsy afake nagnano asa mahagaga Ijy, hafa-tsy ny famitrahany tagnana amin'ny marary vitsivitsy ary nampisava andreo. 6Jendagna nohon'ny tsy finoôn'ijy ireo Ijy. Avy teo nandeha nagnodidigna ireo tanàna Ijy hampianatre.7Avy teo die nangaike ireo roe ambifolo lahy Ijy ary nanomboka nagnirake andreo tsiroiroe, ary namene fahefana teo amin'ny fagnahy maloto areo, 8ary nandidy andreo tsy hitondra n'ino n'ino amin'ny diene, na mofo, na kitapo, na vola amin'ny fehin-kibon'ijy ireo- hafa-tsy tehigna mandy-9 fa hagnano kapa, ary tsy hagnano akanjo roe.10Hoy ijy tamindreo hoe: "Na ovene na ovena anareo miditra amina tragno raike, die mitoboha ao mandram-pelanareo agne.11 Ary laha misy tanána tsy mandray anareo na miteno anareo, laha menga ao amin'ijany toerana ijany anareo, die ahitsagno ny botane amin'ny tongotrareo mba ho fijorôna vavolombelogna amindreo."12Die nenga areo ary nitory fa ny olo die tokone hibebake amin'ny fahotane. 13Nandrôke devoly rahabe areo, ary nagnosotre marary rahabe tamin'ny diloilo ka nagnasitragna anajy ireo.14Regnin'i Heroda mpanjaka ijany, satria nanjary fanta-daja ny agnaran'i Jesosy. Ny saragne nilaja hoe: "Nitsangagna tamin'ny maty Jaona mpanao batisa ary noho ijane, die miasa ao agnatine ireo hery mahajendagna ireo." 15Fa ireo saragne koja nijaka hoe: "Elia Ijy." Ny saragne mbola nijaka hoe: "Mpaminagny Ijy, tahaka ny raike amin'ireo mpaminagny tamin'ny andro taloha."16Fa laha naharegny i Heroda die hoy ijy hoe: "Jaona, ijay nitapahiko loha' no nitsangagna tamin'ny maty." 17 Fa Heroda no nampanambotre an'i Jaona ka nandefa anaje tagny andrangnomejigna nohon'ny raharaha Herodiasy ( vadin'ny Filopo rahalahine), satria novadiene raviave.18Fa i Jaona nijaka an'i Heroda hoe: "Tsy ara-dalàna ny hanambadienao ny vadin'ny rahalahinao." 19Fa vignitre taminaje Herodiasy ka nitady ijay hamonôna anaje, nefa tsy afake, 20 nohon'ny fatahoran'i Heroda an'i Jaona; fantane fa olo- marina sy feno fahamasignana ijy, ary niaro anaje ijy. Nanahiran-saigna ny fitenôna anaje, kanefa die mbola niteno anajy tami-kafalena ijy.21Avy teo nisy irake tamin'ny fitsingeregnan'ny taogna nahaterahan'i Heroda ka nagnano fanasàna ho an'ireo lehibene, sy ireo mpifehine, ary ireo mpitarika ny Galilia ijy. 22Die niditre ny efitragno fanasana ny janaka vavin'ny Herodiasy ary nandihy hôndreo, ary nahafinaritre an'i Heroda sy ireo vahiny nasaina tamin'ny fihinanana ijy. Hoy ny mpanjaka tamin'drajajavave hoe: "angatahy aminahe ijay raha manotolo tienao die hameko anao ijane."23Ary nifanta taminajy ijy nagnano hoe: "na ino na ino angatahinao aminahe, die hameko anao, hatramin'ny ansasaky ny fanjakako." 24Die nivôka ijy ary nijaka tamin'i endrine hoe: "Ino no tokony angatahiko aminaje?" Die hoy endrine hoe: "Ny lohan'i Jaona mpagnano batisa." 25teo no ho eo die niverigna tagny amin'ny mpanjaka ijy, ka nangataka, nagnano hoe: " Tieko amenao anahe, ijao dieny ijao, eo ambony lovia ny lohan'i Jaona mpagnano batisa."26Na die nampalahelo mafe ny mpanjaka aja ijane, die tsy afaka nandà ny fanagatahane ijy nohon'ny fifantana namboarine sy noho ireo vahinine nasaina tamin'ny fihinanana. 27Noho ijany die nandidy miaramila raike avy tamin'ny mpiambigna ny mpanjaka ary nandidy anaje hitondra ny lohan'i Jaona hôminaje. Nenga ilay mpiambigna ary nanapaka ny lohany tao andragnomejigna. 28Nindane teo ambon'ny lovia ny lohany ary namene andrajajavave, ary ilay jajavave nagnome an'ijany an'i endrine. 29Laha naharegny anijany ireo mpianane, die avy ijy ireo nangala ny nofony ka nametraka ijany tao am-pasagna.30Nipody tagny amin'i Jesôsy ireo apostoly ary nitantara taminaje ijay rehetra vitandreo sy nampenarindreo. 31Ary hoy ijy tamindreo:" Andao antsena hoagne agnefitra ka hiala vijake kele." Fa rahabe ny olo nivejivejy, ary tsy nanam-potôgna nihinanana rahanina mihitsy aja ijy ireo. 32Die nandeha an-tsambokely ijy ireo mba ho agny amin'ny tany fôgna.33Fa ijy ireo nahita anajy ireo nandeha ary maro no nahalala andreo, die niaraka nihajakajake an-tongotre avy tagny amin'ny tanàna manotolo ijy ireo, ary avy talohan'dreo. 34Laha avy tegny amin'ny morogny areo, die nahatsinjo vahôka rahabe ary nalahelo anijy ireo Ijy satria hôtran'ny ondry tsy managna mperakandro ijy ireo. ka nanomboke nampianatra raha maro andreo Ijy.35Ary laha sondrogna ny andro, die nagnantogna Anajy ireo mpianatrany ka nijaka hoe: "Toerana fôgna itoy ary ny andro efa ho aligna sahady. 36 Alefaso areo mba handehanane agny amin'ireo vohitra sy tanàna magnodidigna hividy hanina hôn'ny tegnan'dreo."37Fa namaly Ijy ka nijaka tamin'ijy ireo hoe: "Amenareo rahoanina ijy ireo." Die hoy ijy ireo taminy hoe: "Afaka mandeha ary mividy mofo ajon'ny denaria rônjato ve ahay ka hagnome ijany anajy ireo hohanine?". 38Die hoy Ijy tamindreo hoe: "Firy ny mofo anagnanareo? Mandihana ary jereo." Laha hitane die hoy areo hoe: "Mofo dimy sy laokandrano roe."39Die nandidy ny olo aby mba hitoboka mitsitokotoko amin'ny ahi- metso Ijy. 40 Die nitoboka an-tokone areo; an-tokony jato sy dimampolo. 41Nangala ireo mofo dimy sy laokandrano roe Ijy, niandrandra ny lagnitre die nisaotre ka nijarajara ny mofo ary nagnome anijany tamin'ireo mpianatra mba hamena eo alohan'ny olo. Nijaraina mandy koa ny laokandrano roe ho anajy aby.42Die nihinagna aby ijy manontolo nandram-pahavoky andreo . 43Nalaindreo ny ambiambin'ny mofo, ijay nahafeno roembifolo tanty feno ambavane, ary koa ny ambin'ireo laokandrano.44 Nisy dimy arivo ireo lelahy nihinagna ny mofo.45Eo no ho eo die nalefany niakatre tao an-tsambokely ireo mpianatrane mba heloha Anajy hôgnilany egny, ho agny Betsaida, laha nandefa ny vahôka Ijy. 46Laha nenga areo, die niakatra tagny an-tety Ijy mba hivavake. 47Avy ny aligna, ary efa teo ampovôn-dranomasina ny sambokely, fa irery tegny antanety ijy.48Ary hitany fa sahiragna mafy areo nivoe ny sambokely, satria nanohitre mahare andreo ny rivotre. Tokotokony amin'ny lera fembenana fahefatry ny aligna die nagnantogna andreo Ijy, nandeha tegny ambony ranomasina, ary te -handalo tamindreo Ijy. 49Fa laha nahita anajy nandeha tambony ranomasina ijy ireo, die niheverindreo fa angatra Ijy ka nihorireka areo,50 satria nahita anajy areo die reki-tahotra. Eo no ho eo die nijaka tamindreo Ijy hoe: "Matokisa! Iaho mandy itoy! Aja matahotra!"51Ary niditra tao an-tsambokely niaraka tamindreo Ijy, die nijanona tsy nitsoka ny rivotre. Die gaga tanteraka ijy ireo.52 Ary tsy takatry ny sain-dreo ny dikan'ilay mofo. Fa koja, nihamahery ny fondreo.53Laha tody areo, die avy tao Genesareta areo ka nijanogna tao.54 Ary laha nidigna avy tao amin'ny sambokely ijy ireo, tonga die fantan'olo tao Ijy, 55ka nihajakajaka nagnaragna ny faritra rehetra ijy ireo ary die nanomboka nitondra ny marary tamin'ny fandreny tagny aminajy rehetra regninijy ireo misy anajy.56Fa na taja na taja nandihanany na an-tanàna, na an-tanàna lehibe, na tegny amin'ny vohitra kele, die napetra-dreo teo amin'ny kianja ny marare. Nengavy Anajy ijy ireo mba hamela anajy ireo hikasike ny rambon'ankanjone, ary ireo maro ijay nikasike Anajy die nahafake.
Chapter 7

1Ireo fariseo sy ny mpanoradalana sasagne jay avy agne Jerosalema die tonga nivory nagnodidina Anajy.2Die hitan-dreo ny mpianatrane saragne nihinagna mofo tamin'ny tagnane tsy vôdio, ijany hoe, tsy vôsasa.3 (Feny Fariseo sy ny Jiosy aby die tsy mba nihinagna laha tsy efa nanasa ny tanagne areo, satria magnarake ny fombafomban'ireo loholona.)4 Die laha nipody hata an-tsena ireo Fariseo, die tsy nihinagna areo laha tsy avy nadro, ary mitandrigna fomba rahabe hafa fatratre areo, tahake ny fagnasana ny kapôke, sy ny fagnaragnana, sy ny fanake varahigna, ary ny fandrena ijay ihinanan-dreo.)5Ireo Fariseo sy ny mpanoradalana nagnotany an'i Jesôsy hoe: ''Nagnino ny mpianatrao no tsy mandeha araka ny fombafomban'ireo loholona, fa mihinagna ny mofon'ijy reo amin'ny tagnana tsy vôsasa?''6Nefa hoy Ijy tamin-dreo: ''Isaia naminagny tsara momba anareo mpiantsaravelatsihy. Nosoratany hoe: 'Ity fokon'olo ity magnaja Anahe amin'ny molotrane, fa ny fony koja lavitre Anahe.7 Fôgna ny fivavahana nomenen-dreo Anahe, laha mampianatre ny fitsipik'olombelogna ho fampianaran'dreo.'8Afoinareo ny didin-Andriamanitra ka tajominareo mahare ny fomban'olo.'' 9Die hoy mandy Izy tamin'dreo: ''Hôtran'ny aija ny fagnarenareo ny didin'Amdriamanitra mba hitandremanareo ny fombandrajagnanareo! 10Fa hoy Mosesy: 'Magnaja ny iabanao sy endrinao,' ary koa ,'Ijay mijaka ratsy ny iabane na ny endrine die ho fate tokôtre.'11Kanefa anareo mijaka hoe: 'Laha misy lelahy raike mijake ny iabane na ny endrine hoe: ''Na ino na ino tienareo ho ajo aminahy die efa Korbana,'' (ijany hoe: 'Namena an'Andriamanitre') --12 Die tsy abelanareo hambotre na ino nino amin'iabany sy endriny koa ijy. 13Mamôgna ny tenin'Andriamanitra anareo nohon'ny fambandrajagnareo ijay nitananareo. Ary raha maro mitovy amin'ijany koa no amboarinareo.14Raha nangaike ny fokon'olo indraike Ijy ka nijaka tamindreo hoe: ''Mitenoa Anahy, anareo aby, ka fantaro.15 Tsy misy raha avy eo ambohone izay miditre ao agnatin'olo ka afake mandoto anajy laha niditre ao aminy. Fa ijay mivoke hatao agnatin'olo no mampaloto anaje.'' 16[Ny fandikana tsara indrindra die tsy magnisy ny andininy faha 16: Laha misy manantadigny hiteno, ôka ijy hiteno.]17Ary laha nenga teo amin'ny fokon'olo Jesôsy ka niditre tao an-dragno, ny mpianatrane nagnadigna Anaje momba ilay fagnoharana.18 Hoy Jesôsy taminy: '' Ianareo koa ve mbola tsy managna fahafantarana? Tsy hitanareo ve fa jay rehetra miditre ao agnatin'olo avy agne ivelagne die tsy mapaloto ajy, 19satria tsy afake miditre ao am-pone ijany, fa ao an-trokane ka mivoke amin'ny fivoahane?'' Tamin'ijany fagnambarana ijany dia nahatonga ny rahanina rahabe madio i Jesôsy.20Hoy Ijy: ''Ijay mivôke hatamin'olo no mampaloto anajy.21 Fa avy ao agnatin'olo, hatao am-pone, no iboahan'ny sain-dratsy, ny fahavetavetana, ny halatre, ny famonôna olo,22 ny fijangajangana, ny fitsiriritana, ny haratsiam-pagnahe, ny fitake, ny fijejojejoana, ny felognana, ny fagnendrikedrehana, ny avognavogna, ny hadalana. 23Ijany raha-ratsy aby ijany no mivôke hata agnatin'olo, die ireo no mampaloto anajy.''24Nenga teo Ijy ka lasa nandeha tagny amin'ny faritry Tyro sy Sidona. Niditre tao an-dragno raike Ijy die tsy tiene ho fantatr'ija na ija fa tao Ijy, Kanefa tsy afake nivony.25 Kanefa niarake tamin'jay die nisy viavy raike, ijay nisy fagnahy maloto raike ny janagne viavy kele, naharegny ny aminy, tonga, die niankohoke teo an-tongotrane.26 Ary Grika lay viavy, Syro-foinika no fiaviany. Nengavy taminy ijy mba hamôke ny demonia henga amin'ny janagne vave.27Hoy Ijy taminy: ''Ôka homen-kanina alohake ny jaja. Satria tsy mety ny mangala ny mofon-jaja ka manipy ajy ho an'ny amboa.''28 Nefa namaly ijy ka nagnao taminy hoe: ''Eka, Tompo, fa ny amboa ao ambany latabatre aja die mba mihinagna ny potipotigne amin'ny mofon-jaja.''29Die hoy Ijy taminy: ''Noho ijany jakanao ijany, afaka menga anao. Efa nivôke tamin'ny janakao vave ny demonia.'' 30Dia laha niverigna tagny an-dragnone ravevavy die nahita ny jaja nadry teo ambon'ny kitrara, ary ny demonia efa nenga.31Die Jesôsy nivoke indray nenga ny faritry Tyro, die namaky an'i Sidona hatagny amin'ny ranomasin'i Galilia ka niakatre ny faritra ny Dekapolisy.32 Die nindôsindreo teo Aminy ny olo raike maregnina sady misotry laha nijaka, ary nitalaho Taminy ijy reo mba hametrahane ny tagnana aminy.33Nitondra an-dralelahy nitokana nenga teo amin'ny fokon'olo Ijy, die nametrake ny ratsatanagne tao amin'ny tadigniny Ijy, ary laha avy nandrora, die nitsamo ny lelane.34 Die nendrandra ny lagnitre Ijy, die nisento ka nijaka tamin'ny hoe: ''Efata,'' ijany hoe: ''Maladia!''35 Ary vetitvety teo ny tadignine die naharegny, ary jay namatotre ny lelane die potike die afake nijaka majava tsara ijy.36Die Jesôsy nandrara an-dreo tsy hijakajaka na amin'ija na amin'ija. kanefa na die nisakanana aja ijy reo, vô meke nagnely ijany bebe kokoa.37 Die jendagna tanterake ny olo, ka nijaka hoe: ''Namboariny tsara daholo ny raha manontolo. nataony naharegny aja ny maregnina ary nijaka ny môgna.''
Chapter 8

1Tamin'ijany andro ijany, die nisy vahôke rahabe koa, ary tsy nanagna raha hohoanina ijy ireo. Die nangaika ny mpianatrane i Jesôsy ary nijaka tamindreo hoe: 2"Mampalahelo Anahe ireo vahôka, satria efa telo andro areo no nanohy niarake taminahe ary tsy manan-kohanina. 3Laha ampengaiko mody agny andragno tsy mihinagna areo, die mety ho toragna andalagna. Ny saragne amindreo die avy amin'ny lalagna lavitre." 4Namaly Anajy ireo mpianatrane hoe: "Aja no hajahôntsena mofo ampe hamokisana ireo vahôka ireo atoy an-tany fôgna tahaka anijao?"5Nagnotany andreo Ijy hoe: "Firy ny mofo anagnanareo?" Hoy ijy ireo hoe: "Fito"6 Nandidy ny vahôke mba hitoboke amin'ny tany Ijy. Niresiny ny mofo fito, die nisaotra Ijy, ary nanapake ireo. Nameny ny mpianatrany ijany mba ho jaraindreo amin'ny vahôke, ary navelandreo teo alohan'ny vahôka ijany.7Ary mbola nanagna laokandrano kely bitibitika mandy koa areo, ka laha avy nisaotra anireo Ijy, die nandidy ireo mpianatra mba hanolotre anijany koa Ijy. 8Die nihinagna ijy ireo ka voky, ary nalaindreo ny ambinambine tavela, ijay nahafeno tanty fito lehibe. 9Tokotokony ho efatr'arivo teo ho eo ny olo taminin'ijany. Avy teo die nampengainy nody ijy ireo.10 Tonga die niakatra tao an-tsambokely niaraka tamin'ireo mpianatrany Ijy, ary nenga tagny amin'ny faritry Dalmanota ijy ireo.11Die nivôke ireo fariseo ary nanomboke nifampizizo taminajy. Nandremby famantarana avy lahatagny andagnitre taminajy ijy ireo, mba hitsapana Anajy.12 Nisento laligna tamin'ny fagnahiny Ijy ary nijaka hoe: " Nahôna no mandremby famantarana itoy taranaka itoy? Nefa jakaiko marina aminareo, fa tsisy famantarana amena anitoy taranaka itoy ijany." 13Aviteo die nilôjany areo, niakatra tao an-tsambokely indraike, ary nikisake lavitra ho egny am-pita.14Ary hadignony mpianatre ny nitondra mofo niaraka tamin-dreo. Tsy nanagna mihôtran'ny raike ijy ireo tao agnaty sambo. 15Die nampitandrigna andreo Ijy ka nijaka hoe: "Membena ary mitandrema amin'ny masimasign'ireo fariseo sy ny masimasin'ny Heroda."16Die nifagnotany tegna ny mpianatra hoe: " Noho antsena tsy managna mofo ijany."17 Fantatr'i Jesôsy ijany, ary hoy Ijy tamin'ijy ireo hoe: "Nahôna no amin'ny tsy fanagnana mofo ny fisaignanareo? Mbola tsy ajonareo ve? Mbola tsy takatrareo ve? Nanjary donto ve ny fonareo?18Managna maso anareo, fa tsy jamba ve? Managna tadigny anareo, fa tsy maharegny ve? Tsy tadidinareo ve? 19Laha nanapaka ny mofo dimy ho an'ny olo dimy arivo Iaho, die tanty firy feno ambinambina mofo no navorinareo?" Hoy areo taminaje hoe: "Roembifolo."20Laha nanapaka ireo mofo fito ho an'ny olo efatr'arivo Iaho, firy tanty ny ambiny navorinareo?" Hoy ijy ireo taminy hoe: "Fito."21 Ary hoy Ijy hoe: "Mbola tsy takatrareo mandy ve?"22Avy tagny Betsaida ijy ireo. Ary nisy jamba raike nindaon'olo teo aminajy ary nengavy an'i Jesôsy areo mba hitsamo anajy. 23Nindaon'i Jesôsy tamin'ny tagnany ilay jamba, ary nitondra anajy hivôka ny tanàna. Laha nandrora tamin'ny masony Ijy ary nametraka ny tagnany taminajy, die nagnotany anajy Ijy hoe: "Mahita raha ve anao?"24Die niandra ijy, ka nijaka hoe: "Mahita olo mitovy amin'ny hajo mandehandeha iaho."25 Nampetrak'i Jesôsy tamin'ny masony indraike ny tagnane, ary nivohan'ilay lelahy ny masony, die nipody tamin'ny lônine ny fahitane, ary nahita majava tsara ny raha manotolo ijy.26 Die nampengain'ny Jesôsy nody ijy ary nijakainy hoe: "Aja miditra ao an-tanàna".27Nenga nivôka Jesôsy sy ny mpianatrane nandeha amin'ny tanànan'i Kaisaria Filipo. Tegny andalagna die nagnotane ireo mpianatrane Ijy hoe: "Hataon'olo ho ija moa Iaho?"28 Namaly Anajy areo ka nijaka hoe: "Jaona mpagnano batisa. Ny saragne nijaka hoe 'Elia', ary ny saragne hoe: ' Raike amin'ireo mpaminagny.'"29Nagnotane andreo Ijy hoe: "Fa anareo koja magnano Anahy ho Ija?" die namaly Anajy Petera hoe: "Anao no Kristy." 30Namepetra andreo Jesôsy tsy hijaka ny momba anaje na amin'ija na amin'ija.31Nanombake nampianatra anajy ireo Ijy fa tsy mentsy hijaly ny Janak'Olo, ary ho lavin'ny loholona sy ireo lohan'ny mpisorogna ary mpanora- dalàna, ary hivonina, ka hitsangagna amin'ny maty afaka telo andro. 32Nijakainy majava tsara ijany. Aviteo nantsovan'i Petera mangingigna Jesôsy ka nanomboka mahare Anajy.33Nefa nitodika Jesôsy die nijaha ireo mpianatrane ary avy teo nijaka mahare an'i Petera ka nagnano hoe: "Menga lavitra Anahe, ry satana! Tsy mba misaigna ny rahan'Andriamanitra anao, fa ny rahan'olo." 34Avy teo die nangaika ny vahôke sy ny mpianatrane ijy, ary hoy Ijy tamindreo hoe: " Laha misy te hagnaraka Anahy, die tsy mentsy mandà ny tegnany ijy, mangala ny hajo fijalene , ary magnarake Anahe.35N'ija n'ija te-hamonjy ny aigne die hahavery ijany, ary ijay mahavery ny aigne nohon'ny aminahe sy ny filajan-tsara, die hahavonjy ijany. 36Fa ino anefa ny tombotsoa ajon'olo raike, laha mahajo ijao totolo ijao, ary aviteo very ny aigne?37 Ino no afake amen'ny olo raike ho takalon'ny aigne?38n'ija n'ija megnatre Anahe sy ny jakako eto amitoy taranaka mijangajanga sy mpanota itoy, die homegnatra anajy mandy koa ny Janak'Olo laha avy ao amin'ny vononahitry ny Rainy miaraka amin'ireo anjely masigna Ijy."
Chapter 9

1Hoy Ijy tamindreo hoe: "Jakaiko aminareo marina tokôtre, fa misy aminareo ijay mitsangagna eto no tsy hagnandragna ijany fahafatesana ijany melohan'ny hahitan'dreo ny fanjakan'Andriamanitra ijay hoavy amin'ny hery angeja-be."2Ary enina andro tatoy afara, die nandôsin'ny Jesôsy niaraka taminy Petera sy Jakoba ary i Jaona tegny amin'ny tendrombohitra agnambo, ary areo rery no tagny. Aviteo nova tarehy teo anatrehan'ijy ireo Ijy.3 Ny fekanjony nova namirapiratre sady najava, ary fotsy indrindra,fotsy mihôtre ny raha nampamotsena indrindra teto ambon'ny tany.4Aviteo Elia sy Mosesy niseho tamin'dreo, ary nijaka tamin'i Jesôsy ijy ireo. 5Petera namaly ka nijaka tamin'i Jesôsy hoe: "Raby ô, tsara laha mitoboka eto antsena, koa andao hambôtra kitragnotragno telo, ny raike hônao, ny raike hôn'i Mosesy, ary ny raike hôn'i Elia. 6"( Fa tsy fantane ijay tokone hijakaine, satria nangoaigna mafy areo.)7Nisy rahogna avy ka nandrakotra andreo. Ary nisy feo nivôke avy ao agnatin'ny rahogna hoe: "Itoy ny Janako Malalako. Mitenoa Anaje.8 "Tampoka teo, laha nijaha ny magnodidigna areo, die tsy nahitana an'ija n'ija koa, afa tsy Jesôsy raike mandy.9Laha nidigna avy tegny antendrombohitra ijy ireo, die nifeperany mafy mba tsy hijaka na amin'ija na amin'ija ny raha hitandreo, raha tsy efa mitsangagna amin'ny maty ny Janak'Olo. 10Ary die nitajomindreo hôndreo ijany jaka ijany, kanefa nifampagnotany areo ny amin'ny mety ho dikan'ijany "Fitsanganana amin'ny maty" ijany.11Nagnotany Anajy areo hoe: "Nagnino ireo mpanora-dalàna no nilaja fa tsy mentsy ho avy meloha i Elia?"12 Die hoy Ijy tamindreo hoe: "Efa avy vôlohany Elia hagnarigna ny raha aby. Ary nagnino no vôsoratre fa ny Janak'Olo die hijaly mafy amina raha-maro die hatao hôtran'olo tsisy dikane? 13Nefa jakaiko aminareo fa efa avy Elia, ary nataon'olo tamijay sitrakin'ny fony, arak'ijay efa voajakan'ny Soratra Masina momba anaje."14Ary laha nipody teo amin'ny mpianatra areo, die nahita vahôke-be nagnodidigna anajy ireo ary ireo mpanora-dalàna niady hevitra taminy.15 Laha vô-nahita an'i Jesôsy ijy ireo, die gaga aby ny vahôke, ary raha igne nihajakajake nagnantogna Anajy igny ijy ireo die niarahaba Anaje.16 Nagnotany ireo mpianatrany Ijy hoe: "Momban'ino no hedienareo hevitra amin'ireo."17Ary nisy raike tamin'ireo vahôke namaly Anajy hoe: "Mpampianatra ô, nandôsiko ho eto aminao ny janako lahy. Misy fagnahy ratsy tsy mampijaka anajy ijy. 18Manambotre anajy io ka mampilavolavo anaje Ary mandoa vory ijy, mikotro-nify, ary lasa mihenjagna ijy. Nangataka tamin'ireo mpianatrao ny tegnako mba hamôka ijany hiala aminaje, kanefa tsy vitan'dreo ijane."19 Ary namaly andreo Ijy hoe: "Ry taranaka tsy mino, mandram-pahovena no hitobohako eto aminareo? Mandram-pahovena no handiferako aminareo? Andôsy aminahy atoy ijy."20Die nandôsiny taminajy ilay jajalahy, ary laha vônahita an'i Jesôsy ilay fagnahy ratsy, die nampifanintositongna anajy ijany. Lavo tamin'ny tany ilay jajalahy ary feno vory ny vavane. 21Jesôsy nagnotany an'iabany hoe: "Tamivena naha hôtranio anaje?" Die hoy iabany hoe: "Efa hatamin'ny naha-kely anaje." 22Kindraindraike io fagnahy ratsy io nandavo anaje tagnaty afo na tagnaty rano ary nagnandragna ny hamotike anaje. Laha mahay magnano ny raha aby Anao, die miantrà anay ary ampeo ahay."23Jesôsy nijaka taminajy hoe: "'Laha mahay anao'?24 Ny raha abiaby die hain'ny mino." Ary niaraka taminijay ny iaban'ny ilay jaja die niheke mafe nagnano hoe: "Mino aho! Ampio aho amin'ny tsy finôka!"25 Laha hitan'i Jesôsy ireo vahôke nihajakajaka nagnantogna anajy ireo, die nijakainy mahare ilay fagnahy maloto ary nagnano hoe: "Ry fagnahy môgna sy maregnina, mandidy anao Aho, mivoaha aminy, ary aja mipody miditre aminajy ao koa."26Nihoaikaika mahare ijany ka nampifanintogna mafy ilay jajalahy ary aviteo nivôke. Hôtran'ny olo maty ilay jaja lahy, die be no nijaka hoe: "Maty ijy". 27 Fa Jesôsy nandray anajy tamin'ny tagnana ka nagnarigna anaje, die nitsangagna ilay jajalahy.28Ary laha niditre tao andragnony Jesôsy, die nagnotany Anaje manokagna ireo mpianatrane hoe: "Nagnino ahay no tsy nahavôrôke ilay fagnahy ratsy?"29 Hoy ijy tamindreo hoe: "Ny hôtranio die tsy afaka roahina afa-tsy amin'ny alalan'ny vavake."30Nenga teo ijy ireo die nandalo tagny Galilia. Tsy tieny ho fantatr'ija na ija hoe taja areo,31 fa nampianatre ireo mpianatrane Ijy. Hoy Ijy tamindreo hoe: "Ny Janak'Olo die hatolotre egny antagnany olo, ka ho vonoin-dreo Ijy. Ary laha vôvono Ijy, die hitsangagna amin'ny mate indraike afaka telo andro."32 Fa tsy ajondreo ny fagnambarana io, ary natahotra areo hagnotane Anaje.33Aviteo tonga tao Kapernaomy areo. Laha avy niditra tao andragno Ijy die nagnotany andreo hoe: "Ino ny raha nifampiresahanareo tegny andalagna?"34Fa nangigna ijy ireo. Satria efa niady hevitre tegny andalagna ijy ireo ny amin'ny jay lehibe indrindra.35 Nitoboke, die nangaika ireo roembifolo lahy niaraka Ijy ary nijaka tamindreo hoe: "Laha misy tehovôlohany, die tsy mentsy farane amin'ny abiaby ijy ary ho mpanompon'ny abiaby."36Nangala jaja kely raike Ijy die nataone teo agnivondreo. Nitrotroine tegny amin'ny sandrine ijy ary nijaka tamindreo hoe:37" Na ija na ija mandray ny jaja hôtran'ny njao amin'egnarako, die mandray Anahe koa, ary laha misy mandray Anahe, die tsy mandray Anahy rery ijy, fa Ilay nagniraka Anahe koa."38Hoy Jaona taminajy hoe: "Mpampianatr'ô, nahita olo namôke demonia tamin'ny agnaranao ahay ary niraranay ijy, satria tsy magnaraka antsena."39Fa Jesôsy nagnano hoe: "Aja mandrara anaje, fa tsy misy olo hagnano asa angeja aminegnarako nefa vetivete afaranijay die hijaka raha ratsy momba Anahy.40Na ija na ija tsy manohitra antsena die momba antsena.41 Na ija na ija magnome anao rano eran'ny Kôpy hinomina satria an'i Kristy anao, die jakaiko aminao marina tokôtre, fa tsy ho very ny valim-pitiane.42Fa na ija na ija manafitohigna ny iraike aminareo kely mino Anahy ireo, die tsara ho anaje ny agnantognana vato angeja fikoseham-bary mifehy eo amin'ny tendany ary halavo agny an-dranonomasina.43 Laha ny tagnanao no mahatonga anao ho tafitohigna, tapaho ijane. Fa tsara aminao ny miditre kilemaina agny amin'ny fiegnana hôtranijay managna tagnan-droe ary handeha agny amin'ny helo, agny amin'ny afo tsy mety vonina.44 [Fagnamarihana: Ny fandikana tsara indrindra die tsy magnisy ny fehejanteny ao amin'ny andignine faha 44 sy 46 hoe: '"Ijay tsy maty mihitsy ny vikin'dreo ary ny afo tsy ho faty mandrakijay.'"]45Laha ny hongotrao no manafitohigna anao, tapahy ijane. Tsara kokoa aminao ny miditra mandringa agny amin'ny fiegnana nohon'ny managna tongotra roe ary hariena agny amin'ny helo.46[Jereo ny fagnamarihana amin'ny andignine faha 44]47Laha ny masonao no manafitohigna anao, alay hiala ijany. Tsara aminao no miditre ny fanjakan'Andriamanitre miaraka amin'ny maso tokagna hôtran'ijay maso roe ary hariena agny amin'ny helo, 48agny amin'ny toerana ijay tsy mafaty ny vikindreo, ary ny afo tsy mety vonina.49Fa ny olo aby die samby ho voasira amin'ny afo. 50Tsara ny sira, fa laha ny sira no tonga matsatso, ahôna no ahafahanao magnamasigna anajy indraika koa? Asio sira ao aminareo, ary mihavàna amin'ny kiraidraike aby."
Chapter 10

1Nenga teo amin'ijany toerana ijany Jesôsy ary nandeha tagne amin'ny faritr'iJodia sy tegny amin'ny faritra ambanin'ny reniranon' i Jordana, ary nenga eo amin'Aje koa ny vahôke. Ary araka ny fataone, die nampianatre an-dreo koa Ijy. 2Die nagnatogna an'Aje ireo fariseo mba hitsapa an'Aje ka nagnadina hoe: "Ara-dalàna ho an'ny lelahy ve ny misaraka amin'ny vadine?" 3Namaly Ijy hoe: 3Ino no nandidian'i Mosesy anareo?" 4Die hoy areo hoe:'Mosesy die namela lelahy raike hanoratra taratasy fagnamarignana fisaraham-panambadiena ary mandefa an'aje avy eo."5Hoy Jesôsy tamin-dreo hoe: "Nohon'ny hamafin'ny fonareo no nanoratane ho anareo ijany lalàna ijane." 6Fa tagny am-piandohan'ny famorognana, 'Andriamanitra nagnano an-dreo ho lahy sy vave.7Amin'ijany antony ijany die handao ny abany sy endriny ny lahy ka hitambatre amin'ny vadine, 8ary hanjary ho nofo raike ijy roe. Ka tsy roa koa areo, fa ho nofo raika mandy. 9Koa ijay natambatr'Andriamanitra, die ôka tsy ho sarahan'olombelogna."10Ary laha tao an-dragno areo, die mbola namerigna nagnotane mikasika ijany mandy ireo mpianatre. 11Hoy Ijy tamin-dreo hoe: "Na ija na ija lelahy misarake amin'ny vadine ka magnakatre viavy hafa die mijangajanga. 12Laha misaraka amin'ny vadine ny viave ka manambady lelahy hafa, die mijanganjanga ijy."13Avy eo areo dia nitondra ny jana-dreo teo amin'Aje mba hametrahany tagnana, fa novigniran'ireo mpianatra areo. 14Fa laha nahatsikaritre ijany Jesôsy dia vignitra mafy Ijy ka nijaka tamin-dreo hoe: "Abelao ny jaja hagnatogna an'ahe, ary aja raràna areo fa ny fanjakan'Andriamanitra die an'ireo ijay hôtran-dreo.15Jakaiko aminareo marina tokôtre, na ija na ija tsy mandray ny fanjakan'Andriamanitra hôtrin'ny jajakele die tsy hiditre ijany amin'ijany velivele." 16Avy eo die notrotroine ireo jaja ireo ka notsofiny rano sady nametrahane tagnana.17Ary laha nanomboke ny diany Ijy, die nisy lelahy nihajakajake ka nandohalika teo ankatrehane, ary nagnadigna hoe: "Ry mpampianatra tsara , ino no tsy mentsy ataoko mba handovàko ny fiegnana mandrakijay?" 18Jesôsy nagnano hoe: "Nahôna no jakainao hoe tsara iaho? Tsy misy tsara, afa tsy Andriamanitra raika mandy. 19Fantatrao ny didy hoe:'Aja mamono olo, aja mijangajanga, aja mangalatre, aja mijoro ho vavolombelogna tsy marina, aja mamitake, hajao iabanao sy iendrinao'."20Die hoy ilay lelahy hoe: "Mpampianatrô, efa narahiko hatramin'ny fahatanorako lahatagne ireo abiaby ireo." 21Nijaha an'aje Jesôsy die tia an'ajy. Ary hoy Ijy tamin'ajy hoe: "Misy raha banga raike ao aminao.Tsy mentsy amidinao ijay abiaby anagnanao ary amena ny misotry ijany, die hanagna harena agny an-dagnitra anao. Avy eo magnaraha an'Ahe. 22"Fa noho ijany filajana ijany die nalahelo ijy ka nandeha nangasiasy, satria nanagna fanagnam-be tokôtre ijy.23Nijaha ny magnodidigna an'Ajy Jesôsy ary nijaka tamin-dreo mpianany hoe; "Tena sarotre ho an'ireo managna harena be ny miditra ny fanjakan'Andriamanitra! 24Die jendagna tamin'ny jakane areo mpianatre. Fa hoy koa Jesôsy tamin-dreo hoe: "Anaka sarotre ny fidirana ao amin'ny fanjakan'Andriamanitra! 25Mora loholoho ho an'ny rameva ny miditra amin'ny vody fanjaitre, noho ny hidiran'ny mpanankarena ao amin'ny fanjakan'Andriamanitra."26Die mbola jendagna koa ny mpianatra ary die nifagnadina areo hoe: "Ija ijany no afaka ny ho vôvonjy? "' 27Nijaha an-dreo Jesôsy ary hoy Ijy hoe: ''Tsy vitan'olo ijany, fa vitan'Andriamanitra. Satria ny raha abiaby die hain'Andriamanitra amboarina." 28Die nanomboka nijaka tamin' Ajy Petera hoe: "Jahao ahay ireto die nahafoy ny raha abiaby ary nagnaraka Anao. "29Ary hoy Jesôsy; "Jakaiko marina aminareo, tsy misy olo ijay nandao ny tragnone, na ny rahalahine, na ny rahavavine, na ny endrine, na ny abane, na ny janagne, na ny tanine noho ny amin'Ahe, sy ny filajantsara, 30ka tsy nahajo avo jato heny amin'ijao taonjato ankehitriny ijao: die tragno, rahalahy, rahavavy, rene, janake sy tane, miaraka amin'ny fagnenjehana, ary amin'ny taonjato ho avy, die ny fiegnana mandrakijay. 31Fa betsake ny vôlohane ho lasa farane, ary ny farane ho lasa vôlohane."32Tegny an-dalagna areo, hiakatra ho agny Jerosalema, ary Jesôsy nandeha neloha an-dreo. Jendagna ireo mpianatre, ary ireo ijay nagnaraka an Aje tao afara die natahotra. Nangehin 'i Jesôsy ho eo amin'Aje koa ijy roambinifolo ary die nanomboka nijaka ijay raha hanjo an'Aje tsy ho ela Ijy. 33"Jahao, miakatre ho agne Jerosalema antsena ijao, ary ny Janak'Olo die atolotra ny mpisoronabe sy ny mpanora-dalàna. Ho helohin-dreo ho fate Ijy ary hatolone amin'ny Jentilisa. 34Ireo die hagneso an'Aje, handrora an'Aje, handamoka an'Aje, hahafate an'Aje. Fa afaka telo andro die hitsangana amin'ny maty Ijy.''35Jakoba sy Jaona, Janak'i Zebedio, nagnatogna an' Aje ary nijaka tamin' Ajy hoe: "Mpampianatrô, mba tianay laha mba amboarinao ijay raha abiaby angatahanay aminao.'' 36Die hoy Ijy tamin-dreo hoe: "Ino no tianareo ho ataoko ho anareo?" 37Hoy areo hoe : Avelao ahay hiara-hipetraka aminao ao amin'ny voninahitrao, ka ny raike eo an-tagnana ankavananao ary ny raike ankavianao."38Fa Jesôsy namaly an-dreo hoe: ''Tsy fantatrareo ijay angatahinareo. Anareo ve afaka misotro amin'ny kapôka ijay hisotroako na hiaritre hatao batisa amin'ijay hanôvana batisa an'Ahe?" 39Hoy areo taminy hoe: "Vitanay Ijane.'' Ary nijaka tamin-dreo Jesôsy hoe: " Ny kapôke ijay hinomiko, die hinomanareo, ary amin'ny batisa ijay hanaovam-batisa an'Ahe, no hanaovam-batisa anareo koa. 40Fa ijay hipetrake an-tagnana an-kavanako na eo ankaviako koja die tsy miankigna amin'Ahy ijany, fa ijany die ho an'ireo ijay nagnomagnana ijany.41Laha naharegny ny momba ijany ireo mpianatra folo hafa, die nanomboka vignitre mafy tamin'i Jakoba sy Jaona. 42Nangehin'i Jesôsy ho eo amin'Aje areo ary nijaka hoe:'' Fantatrareo fa ireo ijay heverina ho mpanapaky ny Jentilisa die mampanompo an-dreo, ary ny lehibe mpifehy an-dreo die magnampatra fahefana amin-dreo.43Fa tsy tokony ho hôtran'ijane ny aminareo. Fa na ija na ija magniry ho lehibe aminareo die ôke ijy ho mpanomponareo, 44ary na ija na ija magniry ho vôlohane aminareo die ôke ijy no andevonareo abiaby. 45Fa ny Janak'olo tsy avy mba ho tompoina, fa mba hanompo, sy hagnome ny aigne ho takalon'aigna ho an'ny maro."46Tonga tao Jerikô areo. Laha nivoaka ny tanàna niaraka tamin'ny mpianany sy vahôke rahabe Ijy, ny Janak'i Timeô, Bartolomeô, ijay mpangatake sady jamba, nitoboke teo amoron-dalagna. 47Laha naharegny ijy fa Jesôsy avy agny Nazareta ijany, dia nanomboka nihiakiaka mafy ijy ary nijaka hoe:'' Ry Jesôsy, Janak'i Davida ô, mamindra fo amin'ahe! 48"Be no nijaka an'ajy mba hangigna. Fa vô meke ijy nihiakiake mahare hoe: "Ry Janak'i Davida ô, mamindra fo amin'ahe!"49Nijanogna Jesôsy ary nampangaike an'aje.Nangehin-dreo ilay jamba,ary nojakaine hoe: ''Mahereja! Mitsangàna! Mangaike anao Ijy. " 50Narene ny lambane, ary nitsangagna,ka nenga eo amin'ny Jesôsy ijy:51Dia namaly an'aje Jesôsy ary nijaka hoe: "Ino no tianao hamboariko aminao?" Hoy ilay lelahy jamba hoe: "Raby ô, te-hahiratra aho." 52Ary hoy Jesôsy taminy hoe: '' Mandihana. Ny finônao no nahavonjy anao. "Die nahita niaraka tamin'ijay ny masone, ary nagnarake an'i Jesôsy tegny an-dalagna ijy.

Chapter 11

1Ary laha nenga tagny jerosalema areo, die nagneke an'i Betifaga sy Betania, agny antendrombohitry Oliva, ary Jesôsy nagniraka roe tamin'ireo mpianatrany2ary nijaka taminijy ireo hoe: "Mandihana amin'irôy vohitra kely alohantsena irôy. Laha vantany taviditra ao anareo, die hahita jana-boriky raike bola tsy nidiban'olo. Tataho ijy die indôsy aminahy atoy. 3Laha misy olo mijaka aminareo hoe: 'Nagnino anareo no magnano anijao?' die atôvy hoe: 'Misy ilan'ny Tompo anaje die hampody malaky atoy ijy.'"4Nenga nivôka ijy ireo die nahita jana-boriky raike nifehy teo ambohi-tragno agnilan'ilay varangaragna raike eo amoron-dalangna, ary nitatahan'ijy ireo ny fehine.5Nisy olo saragne nijoro teo ary nijaka tamin'ijy ireo hoe: "Ino ataonareo itoy, manataka io jana-boriky io?" 6Die nijakaindreo tamin'ijy ireo ny jakan'i Jesôsy tamindreo, ary nabelan'olo henga amin'ny lalandreo areo.7Ary nindôsine mpianatra rôlahy tamin'i Jesôsy ny jana-boriky die nataone tambonin'ijay ny lambandreo ka afaka nideba anajy Jesôsy. 8Be ny olo namelatra ny lambane tegny andalagna, ary nisaragny koja namelatra ratsan-kajo ijay nitapahiny avy tagny ankarenana.9Ireo jay nenga taloha sy ireo nagnaraka Anaje nagnatsogantso hoe: " Hôsana! Deraina ilay raike avy amin'ny agnaran'ny Tompo.10Deraina ny fanjakana ho avin'i Davida raintsena! Hosana avy amin'ny ambony indrindra!"11Aviteo Jesôsy die niditre tao jerosalema ka nandeha tao ankianjan'ny tempoly ary nijahajaha ny raha manotolo. Ary, efa nihaaligna ny andro, die nijotra nandeha tagny Betania Ijy sy ireo roeambifolo lahy.12Ny andro magnarake, laha nipody avy tagny Betania ijy ireo, die mosaregna Ijy.13Ary nahita hajon'aviavy raike nandravogna avy terôy lavidavitre, die nagnantogna Ijy hijaha laha misy voany teo aminy, ary laha nandeha aminajy Ijy, die tsy nahita n'ino n'ino afa tsy ravigna fotsiny, tsy mbola taom-pamojan'ny aviavy taminio. 14Ary Ijy nijaka tamijay hoe: "Tsy hisy hihinagna ny voa avy lahataminao koa mandrakijay." Ary ny mpianatrany naharegny anijany.15Nandeha tagny Jerosalema ijy ireo, ary niditra tao ankianjan'ny tempoly Ijy ary nanomboke nandrôke ny mpivarotra sy mpividy manotolo tao. Nalavone ireo latabatr'ireo mpanakalo vola sy ny sejan'ireo mpivarotra voromamanga. 16Tsy nagneky an'ija n'ija hitondra raha ijay ajo amidy hiditra ny kianjan'ny tempoly Ijy.17Die nampenariny areo ka nijaka hoe: "Tsy efa vôsoratra ve hoe: 'ny tragnoko die angihana hoe tragno fivavahana hoan'ny firenena manotolo'? Nefa nataonareo ho zohy fivonen'ny mpangalatra."18 Regnin'ireo lohan'ny mpisorogna sy ireo mpanora-dalana ijay nijakainy, die niremby fomba hamonô Anajy ijy ireo. Fa natahotra Anajy areo satria ny vahôka manotolo die varegna tamin'ny fampenarany.19 Laha avy ny hariva, die nenga ny tanàna ijy ireo.20Ary laha nenga ijy ireo ny nandraigna, die nahita ilay hajon'aviavy nalajo hatrami'ny vahane.21 Ary Petera nahatsiaro ka nijako hoe: "Raby ô, jahao! nalajo ilay aviavy nitsitsihinao."22Jesôsy namaly anajy ireo hoe: "Managna finôna an'Andriamanitra.23 Jakaiko aminareo marina tegnany fa n'ija n'ija mijaka amitoy tendrobohitra itoy hoe: 'Mitsangàna ka milavoa agny an-dranomasina,' ka laha tsy misy fisalasalana ao am-pony fa mino fa hiseho aminajy ijay nijakaine, die hôtran'ijay no hamboarin'Andriamanitra.24Noho ijany Iaho mijaka aminareo hoe: Ijay rehetra hivavahanareo sy angatahin'areo, minoa fefa nandray anijany anareo,die hoajonareo ijany. 25Laha mijoro sy mivavaka anareo, die tsy mentsy mamela ijay alahelo manotolo anagnanareo amin'ija amin'ija anareo mba havelan'ny Rainareo ijay agny andagnitra mandy koa ny fahotanareo. 26[Fagnamarihana: Ny fandikana tsara indrindra die tsy magnisy ny hoe (jahao amin'ny Mat. 16: 15) Mk. 11: 15) "Fa laha tsy mamela heloka koja anareo, die tsy hamela ny fahotanareo mihitsy koa ny Rainareo Ijay agny andagnitra."]27Die niakatra ho agny Jerosalema koa ijy ireo. Ary laha nandehadeha tao ankianjan'ny tempoly Jesôsy, die avy nagnantogna Anajy ny lohandohan'ny mpisorogna, ny mpanora-dalana ary ireo loholona.28 Hoy ijy ireo taminy hoe: "Fahefana avy aja no agnamboaranao io raha io, ary ija no nagnome Anao fahefana hagnano anio?"29Jesôsy nijaka tamin'ijy ireo hoe: "Hametraka fagnotanena raike aminare Iaho. Jakay Aminahe die hi-jakaiko aminareo hoe fahefana avy aja no agnamboarako anireo raha ireo. 30 Ny batisan'i Jaona, avy agny andagnitra ve ijany sa avy amin'olo? Valio Iaho."31Nifampidinika miarake ijy ireo sady nifamaly sy nijaka hoe : "Laha mamaly antsena hoe: 'Avy agny andagnitre,' die hijaka Ijy hoe: 'Fa nagnino are tsy nino anajy anareo?' 32Fa laha mamaly koja antsena hoe: 'Avy amin'olo,'..." Nangoaigna ny olo ijy ireo, satria resy lahatra ny olo manotolo fa Jaona die mpaminagny tokôtre.33 Aviteo namaly an'i Jesôsy ijy ireo ka nanao hoe:"Tsy fantanay."Dia hoy Jesôsy tamin'ijy ireo hoe "Iaho mandy koa die tsy hijaka aminareo hoe fahefana avy aja no hanôvako an'ireo raha ireo."
Chapter 12

1Nanomboke nampianatre ajy ireo tamin'ny alalan'ny fagnoharana. Hoy Ijy hoe: ''Nisy lelahy nambôtre tanim-bôloboke, nagnisy fefe magnodidina ijany, ary nandavake famiajana. Nanangana tilikambo ijy die avy eo nampagnofa ilay tanim-bôloboke tamin'ny mpamboly vôloboke. Die nenga lavitre tokotre ijy avy eo. 2Tamin'ny fotôgna mete, die nagnirake mpanompo hoagne amin'ny mpamboly vôloboke ijy mba hangala amin-dreo ny saragne amin'reo ijay tokone ho anjarane amin'ny vokatr'ilay ny tanim-bôloboke.3 Fa nosamborin-dreo ijy, nirabohine, die niroahine tsy hitondra na ino nino.4Nagnirake mpanompo hafa ho agny amin'ijy ireo indray ijy, die noratrain-dreo teo amin'ny lohane dia nalaine baraka.5 Die mbola nandefa hafa mandy ijy, ary novoinoin-dreo io raike io. Nataon-dreo hotran'ijay ireo maro hafa, nirabohine ny sasagne ary novonoine ireo hafa.6Mbola nanagna olo raike hafa hirahina ijy, die ny janagne malalany. Ijy no farany nalefane tagny amin-dreo. Hoy ijy hoe: ''Mba hagnaja ny janako lahy ijy reo.7 ''Nefa nifampiresaka areo mpamboly vôloboke hoe: ''Inty ilay mpandova. Avia, andao ho vonointsena ijy, die ho ajontsena ny lova.''8Nosamborin-dreo ijy, die novonoine, die natipine tagny ivelan'ny tanim-bôloboke.9 koa, ino are no hataon'ny tompon'ny tanim-bôloboke? Ho tonga ijy ka handripake areo mpamboly vôloboke ary hagnome ny tanim-bôloboke ho an'ny hafa10Tsy nivakianareo angahatre ijao Soratra Masina ijao? 'Ny vato ijay nolavin'ny mpagnorign-tragno, no ataovato fehijoro.11 Avy tamin'ny Tompo ijany ary die jendajendagna mandy eo anatrehantsena."'12 Nandrembe ny hanamborana an'i Jesôsy ijy reo, fany nangoaigna ny fokon'olo, satria fantan-dreo fa hanoherana ajy ireo no nitenenane ijany fagnoharana ijany. Koa die nabelan-dreo Izy ary lasa nandeha andreo.13Die nagnirake ny Fariseo sy Herodiana ny sasagne hoagny Aminy mba hamandrike Ajy amin'ny jakany ijy reo.14 Laha avy an-dreo, die hoy areo taminy hoe: ''Mpampianatra ô, fantatray fa tsy mivakiloha ny hevitr'olo Ianao, ary tsy maneho fiangarana eo amin'olo. Mpamianatra marina ny lalan'Andriamanitra Ianao. Ara-dalana ve sa tsiare ny magnefa hetre amin'i Kaisara? Tokone hagnefa hetra ve ahay sa tsiare ?15 Fa fantatr'i Jesôsy ny fiatsarahambelatsihin-dreo ka nijaka an-dreo hoe: '' Nagnino anareo no mitsapa Anahe.''16Die nitondran-dreo vola raike Jesôsy. Hoy Ijy tamin-dreo hoe: ''Endrik'ija itoy sary sy soratre itoy?'' Hoy ijy hoe: ''An'i Kaisara.''17 Hoy Jesôsy hoe: ''Omeo an'i Kaisara ijay an'i Kaisara, ary omeo an'Andriamanitre ijay an'Andriamanitre.'' Die jendagna taminy ijy ireo.18Avy eo ireo Sadoseo, ijay magnambara fa tsy misy ny fitsanganana amin'ny maty, die tonga teo aminy. Nagnotany Anajy areo, nagnano hoe: 19''Mpampianatro ô, nanoratre ijao ho anay Mosesy hoe: 'Laha mate ny ralahin'ny lelahy iray ary namela vady ijy, nefa tsy mba nanagna anake, die tokone hanambady ilay vadin'ny rahalahiny ilay lelahy, ka hanagna taranake ho an'ny rahalahine.'20Nisy fito mirahalahy; nanambady ilay vôlohany ary mate, tsy nagnabela taranake. 21Avy eo nangala anajy ny faharoa die mate , tsy nagnabela taranake, die hotran'ijay koa ny fahatelo. 22Tsy nisy nagnabela taranake ijy fito. Ny farane indrindra, maty koa ilay ramatoa. 23Amin'ny fitsanganana amin'ny maty, rehefa nitsangana indray areo, die ho vadin'ija ijy? Satria samby nanambady anaje dahôlo ijy fito mirahalahy.''24Die hoy Jesôsy hoe: ''Tsy ijany ve no antony maha-diso hevitre anareo, satria tsy fantatrareo na ny Soratra Masina na ny herin'Andriamanitra?25 Satria laha mitsangana amin'ny mate ijy reo, die tsy hanambady na hatolotre amin'ny fanambadiana, fa hôtran'ny anjely agny an-dagnitre.26Fa mahakasike ny amin'ny fitsanganan'ny tegna amin'ny maty, tsy nivakinareo ve ny tao amin'ny bokin'i Mosesy, ao amin'ny andalagne momban'ilay voaroy, ny nivorianin-Andriamanitra taminy ka nijakane hoe: 'Iaho no Andriamanitr'i Abrahama sy Andriamanitr'Isaka ary Andriamanitr'i Jakoba'?27 Ijy die tsy Andriamanitry ny mate, fa an'ny velogna . Somary diso hevitre anareo.''28Nisy raike tamin-dreo mpanora-dalàna tonga ary naharegne ny vorian'ijy reo; hitane fa novalen'i Jesôsy tsara ijy reo. Die nagnotane Anaje ijy hoe: ''Ino no didy lehibe indrindra amin'ijy aby?''29 Jesôsy namaly hoe: ''Ny lehibe indrindra die ny hoe: 'Mitenoa ny Tompo Andriamanitsika, ry Israely, raike ny Tompo.30Tsy maintsy mitia ny tompo Andriamanitrao amin'ny fonao raimanontolo anao, amin'ny fagnahinao manontolo, amin'ny saignao manintolo, sy amin'ny herinao raimanontolo.' 31Itoy no didy faharoe: 'Tsy maintsy mitia ny akamanao hôtran'ny tegnanao anao.' Tsy misy hafa lehibe mihôtre noho ireo.''32Hoy lay mpanora-dalàna hoe: ''Tsara ijany ry Mpampinatre! Voalajanao marina fa Andriamanitra die raike, ary tsy misy hafa-tsy Ijy. 33Ary ny mitia ajy amin'ny fo raimantolo sy amin'ny saigna manontolo sy ny hery manontolo , ary ny mitia ny akama hotran'ny tegna, die tsara lavitre mihôtre ny fagnatitre nirôna sy ny sorogna aby.'' 34Laha hitan'i Jesôsy fa nagnome valin-teny hendry Ijy, die nijaka taminy Ijy hoe: ''Tsy lavitre ny fanjakan'Andriamanitra ianao.'' Ary tafaran'ijany, die tsy nisy olo nahasahy nametraka fagnotaniana tamin'i Jesôsy koa.35Namaly Jesôsy, laha nampianatra tao amin'ny tempoly Ijy; die hoy Ijy hoe: ''Ahôna moa no ijakan'ny mpanora-dalána fa kristy die janak'i Davida? 36Davida tegnane, tamin'ny Fanahy Masina, nagnano hoe: 'Ny Tompo nijaka tamin'ny Tompoko hoe: mitoboha eo an-tagna-kavanako, mandram-panaoko ny fahavalonao ho fipetrahan-tongotrao.'37 Davida tegnany aja nagnatso Ajy hoe 'Tompo ,' koa ahôna no maha janak'i Davida an'i Kristy?'' Niheno Ajy tamim-pifalena ireo fokon'olo rahabe.38Tamin'ny fampianarany Jesôsy die nijaka hoe: '' Mitandrema amin'reo mpanora-dalàna, ijay tia mandehandeha amin'ny akanjo lava ary tian-dreo ny fiarabana ajon-dreo egny an-tsena 39ary tian-dreo ny mahajo ny seja vôlohane agny amin'ny synagoga sy ny toerana vôlohany agny amin'ny fety.40 Mandroba ny tragnon'ireo mpivantotre ijy reo, ary magnano vavake lava be mba ho hitan'olo. Ireo lelahy reo die mandray fagnamelohana angejabe tokôtre.41Avy eo Jesôsy nitoboke tandrify ny vatan-drakotre tao amin'ny faritre ny tempoly; nijaha reo olo aby ijay nandrosake vola tao amin'ny vatan-drakotre. Mpanakarena rahabe no nanadatsake vola maro be tao. 42Die nisy viavy misotry mivantotre raike avy nandrotsake farantsakely roe, ijay kele variroavihy oharina amin'ny iraimbilanja.43Die nantsoine ireo mpianatrane die hoy ijy tamin'dreo hoe: ''Jakaiko aminareo marina tokotre, fa ty viavy misotry mivantotre ity no nandrosake rahabe mihôtre amin'olo jay nandrosake vola tao amin'ny vatan-drakitre.44 Satria ny abiaby die nagnome tamin'ny fagnanam-ben-dreo. Fa ty mpivantotre ity koja, tamin'ny sotrine, die nandrotsake ny vola aby ijay tokony hivelomane tao.''
Chapter 13

1Ary laha niala tao an-kianjan'ny tempoly Jesôsy , die nijaka tamin'ny raike tamin'ny mpianany hoe: " Mpampianatrô , jahao ny hatsaran'ny vato sy ny hatsaran'ny rafitre! ''' 2Hoy Ijy taminy hoe: '' Hitanao ve ireto rafitra ngezabe ireto? Tsy habela hisy vato irake hifanengina eo ka tsy ho ravana.''3Ary laha nitoboke teo an-tendrombohitr'Oliva tandrifin'ny tempoly Ijy, die nagnadigna an'Aje mangingigna Petera, Jakoba, Jaona sy Andrea hoe: 4''Jakao aminay amivena no hibôke Ijany raha abiaby ijany? Ino no famantarana laha hibôke ireo raha ireo? "56Ary Jesôsy nanomboke nijaka tamin-dreo hoe : ''Mitandrema mba tsy hisy olo hampivily lalagna anareo. Fa maro no ho avy amin'ny Agnarako sy hijaka hoe; Iaho no ijy ary maro no ho voafitagne.7Laha maharegny ady sy resabe momba ny ady anareo, die aja magnahe; tsy mentsy mibôke ireo, fa tsy mbola ijay no farane. 8Fa hisy firenena hitsangagna hamely firenena ary fanjakana hamely fanjakana. Ary hisy horohoron-tany amin'ny toerana rahabe, sady hisy mosare. Ijany no fiatombohan'ny fahoren'ny fiterahana.9Mitandrema anareo. Ho atolo-dreo amin'ny Synedriona anareo, die holamohine ao amin'ny synagoga.Hitsangagna alohan'ireo mpanapaka sy ireo mpanjaka noho ny Amin'ahy anareo, ho vavolombelogna amin-dreo. 10Fa ny filajantsara die tsy mentsy ho toriana any amin'ny firenena abiaby aheke.11Laha manambotre sy manolotre anareo areo, die aja mangoaigna amin'ijay mety ho jakainareo. Fa amin'ny lera farane igny, die homena anareo ijay tokony ho jakainareo; tsy anareo akory no hijaka fa ny Fanahy masina. 12Ny rahalahy hanolotra ny rahalahiny ho faty, ary ny ray hanolotra ny janagne. Ny janaka hitsangagna hanohitre ny abane amin'ny endrine ka hahafate an-dreo. 13Ho halan'ny olo abiaby anareo noho ny Agnarako. Fa na ija na ija mahadigny hatramin'ny farane die ho voavonjy ijany olo ijany.14Fa laha hitanareo mitsangana amin'ny tokony tsy hitsanganane ny fahavetavetany fandravana(Öka hisaigna ijay mamaky) die ôka ijay avy any jodia rehetra hilefa egny an-tendrombohitre. 15Ijay ao an-tampon-tragno ôka tsy hijotso ao an-dragno na hamoaka raha avy ao amin'ijane, 16die ijay agny an-karegnana ôka tsy himpody hangala ny lambane.17Lojan'ireo viave betroke sy ijay mampinono amin'ijany andro ijany! 18Mivavaha anareo mba tsy ho amin'ny andro rirignina no hitrangan'ijany. 19Fa hisy fahorena be ijay mbola tsy nisy lahatamin'ny vôlohane, laha namorogna ijao tontolo ijao Andriamanitra, tsiare, fa mandrakijay tsy hisy koa ijany. 20Ary laha tsy hoe nafohejin'ny Tompo ijany andro ijany, die tsy hisy nofo ho vôvonjy. Fa noho ny olombôfidy ijay nofidine, die nafohejin'e isan'ijane andro ijane.21Ary laha misy olo mijaka aminao hoe: ''Jahao atoy ilay Kristy! na koa hoe: Jahao erôy ijy! die aja mino ijany. 22Fa hisy Kristy sandoke sy mpaminany sandoke hibôke haneho famantarana sy fahazindagnana mba hamitahana, na die ny olom-boafidy aja, raha ajo atao. 23Membena! efa vôjakako taminareo meloha ny fotôgn'ireo raha abiaby ireo.24Kanefa afaran'ireo fahoren'ireo andro ireo, die hihamejigna ny masoandro, ny volagna tsy hagnome ny hajavane, 25ireo vasiagna hirarake avy hategny an-dagnitre ary ireo hery ijay ao an-dagnitre ho hojongojognina. 26Ka ho hitandreo ny Janak'olo avy lahategny amin'ny rahogna amin'ny hery lehibe sy voninahitre. 27Die hagnirake ny anjeline Ijy ka hamory miarake ireo olom-bôfidine avy agny amin'ny vajan-tany efatre, avy agny amin'ny faran'ny tany ka hatramin'ny faran'ny lagnitre.28Mangalà lesona avy amin'ny hajon'aviavy. Laha vô manaroke sy mandravigna ny rantsagne, die fantatrareo fa mariny ny lohantaogna. 29Hôtran'ijany koa laha vô mitranga ijany raha abiaby ijany, die fantatrareo fa mariny Ijy, marivo ny vavahady.30Jakaiko aminareo, marina tokôtre itoy taranaka itoy die tsy ho lane ritre mandra-piboahan'ijany raha abiaby ijany. 31Ho levogna ny tany sy ny lagnitre fa ny teniko tsy mba ho levogna mandrakijay. 32Fa ny mahakasike ijany andro na lera ijany, die tsy misy mahalala, na ireo anjely agny an-dagnitre aja, na ny janake, fa ny Ray mandy.33Mitandrema! Membena,satria tsy fantatrareo ny lera.( fagnamarinana: Ireo fahefana taloha die hoe:Mitandrema! Membena ary mivavaha satria...) 34Ijany hôtran'ny lehilahy raike handeha lavitre_nenga ny tragnony ijy ka ireo mpanompone no nataone nendrekitre ny tragnone samby amin'ny raharahany aby, ary nandidy ny mpiambigna ijy mba tsy hoandre.35Kô membena, satria tsy fantatrareo hoe ovena no ho avy ny tompon-tragno; mety ho amin'ny sondrogn'andro ijany, na amin'ny sasak'alina, na magneno akoho,na maraigna. 36Fa laha avy tampoke ijy die aja avela hahita anareo mandry ijy. 37Ijay jakaiko aminareo dia jakaiko amin'olo abiaby koa: Membena!"

Chapter 14

1Ary roa andro melohan'ny Paka sy ny Fankalajana ny fihinanana ny mofo tsy misy masimasigna tamin'ijany. Nandrembe fomba hanamborana an'i Jesôsy mangingigna ireo lohan'ny mpisorogna sy ny Mpanoradalàna die hamono An'Ajy avieo. 2Die hoy areo hoe: "Aleo tsy amin'ny andro fety, ba tsy hapandregnina ny olo.''3Laha tagny Betania tao an-dragnon'i Simona boka Jesôsy, laha nidoboke teo an-databatra Ijy, die nisy viavy raike nagnantogna an'Ajy nitondra tavoara alabastara misy menaka lafo vidy, ijay narda tsy misy fangarone. Nivakine ilay tavoara die nararagne teo amin'ny lohany ijane.4 Nahavignitra ny olo saragne anefa ijany. Nifampivoria areo ka nagnano hoe: "Ino no anton'ijao fandanindaniam-pôgna ijao? 5Io menaka magnitra io die afaka namidy mihôtran'ny denaria telon-jato, ary namena ny misotry." Die naseke ilay viavy areo avy eo.6Nefa hoy Jesôsy hoe: "Abilao ijy. Nagnino anareo magnano ijay mampalahelo an'aje? Raha tsara no namboarine tamin'ahe.7 Ny misotry die eo aminareo fehijay, sady afaka hagnano asa soa hon-dreo fehijay anareo na amin'ny fotôgna ino na fotôgna ino, fa Iaho koja tsy hidoboke eo aminareo fehijay.8 Nagnano ijay ajony atao ijy: nagnosotra ny tegnako hômin'ny fandivegnana ijy.9 Jakaiko marina aminareo, n'aja n'aja hagnambarana ny filajantsara magneragna ijao rehetra ijao, die hijakaina ny namboarin'itoy viavy itoy, mba ho fahatsiarovana an'aje."10Avy eo Jodasy Iskariota, raika tamin'ijy rômbifolo lahy, lasa nenga amin'ireo lohan'ny mpisorona hahafahane manolotra an'Ajy amin-dreo. 11Laha naharegny ijany ireo lohan'ny mpisorona, die faly areo ka nampagnantegna hagnome vola an'aje. Die nanomboke nandrembe hevitre hanolorana an'Ajy amin-dreo ijy.12Tamin'ny andro vôlohan'ny fihinanana ny mofo tsy misy lalivay, laha nambôtre ny sorona ny ondrin'ny Paka areo, die hoy ireo mpianatrane tamin'Ajy hoe: "Aja no tianao hadihananay hikarakarana ny hanina, mba hinananao ny hanin'ny Paka?" 13Die nandefa roa tamin'ireo mpianatrane Ijy ka nijaka tamin-dreo hoe: "Mandihana agny an-tanàna, die hisy lelahy hitondra sihô feno rano hifanepake aminareo. Magnaraha an'aje.14 Ijay tragno hidirane, magnaraha an'ajy, die jakay ny tompon'ijany tragno ijany hoe: 'Hoy ny mpampianatra hoe: "Aja ny efitra fandresam-bahiny ahafahako miara-mihinagna ny Paka amin'ireo mpianatro?"'15Hagnatoro anareo efitra makadiry ambony rihagna misy fanaka ijay efa vognona tsara ijy. Ao no atôvy ny fagnomanana abiaby ho antsena."16 Die lasa ny mpianatra ary namonjy ny tanàna. Hitan-dreo arak'ijay efa nivorianine tamin-dreo ny raha abiaby, die nagnomagna ny hanin'ny Paka areo.17Laha aligna ny andro, die avy niaraka tamin-dreo rômbinifolo lahy Ijy. 18Laha nidoboke teo an-databatre sy nihinagna areo, die hoy Jesôsy hoe: "Jakaiko marina aminareo, fa ny raike aminareo ijay miara-mihinagna aminahe eto die hamadika an'Ahe?"19 Nalahelo mafy ijy abiaby, ka nijaka tamin'ajy ny kiraidraike hoe: "Tsy iaho mihitsy ijany?"20Jesôsy namaly ka nijaka an-dreo hoe: "Ny raike aminareo rômbifolo ijany, ilay raike miara-magnajoboka mofo aminahy agnaty lovia ijao" 21Fa ny Janak'Olo die henga amin'ny lalagna ijay efa nojakain'ny Soratra Masina mikasika an'ajy. Fa loja koja hôn'ijany lelahy ijay mamadika ny Janak'olo ijany. Tsara hôn'ajy loholoho aja laha tsy teraka ijy."22Laha bona teo am-pihinana areo, die nandray ny mofo i Jesôsy, nisôtre, ary nijarajara ijany. Nomeny an-dreo ijany sady nagnano hoe: "Reso, itoy no tegnako." 23Die nandray ny kapôka Ijy, nisôtre, ary nagnome ijany an-dreo, die nisotro tamin'ijany ijy abiaby. 24Die hoy Ijy tamin-dreo hoe: "Itoy ny ràn'ny fanekem-pihavanako, rà ijay atrotrake hôn'ny maro. 25Jakaiko marina aminareo, tsy hisotro itoy vokatry ny vôloboke itoy koa Aho mandra-pevian'ny andro ijay hisotrôko ijany indray agny amin'ny Fanjakan'Andriamanitra"26Laha avy nihira fiderana areo, die nenga tegny an-tendrombohitra'Oliva. 27Hoy Jesôsy tamin-dreo hoe: "Hienga anahy daholo anareo abiaby, fa vôsoratra hoe: "Handraha ny mpiambigna ondry Iaho ary hiparitaka ny ondry.'28Fa laha avy hatsangagna amin'ny maty Iaho, die heloha lalagna anareo ao Galilia."29 Die hoy Petera tamin'Ajy hoe: "Na die hienga daholo aja ny abiaby, iaho tsy mba hienga."30Hoy Jesôsy tamin'ajy hoe: "Jakaiko marina aminao, fa androany aligna, laha bona tsy magneno in-droa ny akoho, di'efa handà an'Ahy in-telo anao."31 Die hoy Petera hoe: "Na tsy mentsy hiara-maty aminao aja iaho, tsy mba handà Anao." Die samby nampagnantegna hotr'ijay daholo ijy abiaby.32Ary avy tagny amin'ny toerana angihina hoe Getsemane areo, die hoy Jesôsy tamin'ireo mpianatrane hoe: "Mitoboha eto laha bona mivavaka Aho." 33Die nitondra an'i Petera,sy Jakoba, ary Jaona niaraka tamin'Aje Ijy die nanomboka nalahelo sady ory tanteraka. 34Die hoy Ijy tamin-dreo hoe: "Sahiragna lôtra ny Fagnahiko, hôtrany efa ho fate. Mitoboha eto ka membena."35Nisitake kelikely Jesôsy, nenkohoke tamin'ny tany, die nivavaka Ijy mba laha tô ka ajo atao, die hiala amin'Aje ijany ora ijany. 36Hoy Ijy hoe: "Aba, Ray ô, ny raha abiaby hainao amboarina. Alay amin'Ahe itoy kapôka itoy. Nefa ôka tsy ny sitrapoko no amboarina, fa nenao."37Nipody Ijy die nahita an-dreo natory, die hoy Ijy tamin'i Petera hoe: "Simona, matory ve anao? Tsy nahefa niambigna ora raika ve anao?38 Membena die mivavaha mba tsy hidiranareo amin'ny fakam-pagnahy. Ny fagnahy mety majoto tokôtre, fa ny nofo no malemy." 39Die nenga ndraike Ijy nikisake kely ary nivavake, ary die namerigna ny teny namboarine teo aloha mandy.40Nipody indraike Ijy die nahita an-dreo natory, fa navesatry ny tory ny mason-dreo ary tsy hitan-dreo ijay nijakainy tamin'Aje.41 Nagnantogna fagnin-telony Ijy ka nijaka an-dreo hoe:"Bona matory sy miala vijaka mandy ve anareo? Ampy Ijay! Efa avy ny fotôgna. Jahay! Ny janak'Olo nivadihana hatolotra eo an-tagnan'ny mpanota.42 Mitsangàna; andao henga antsena. Jahay,efa mariny ilay hamadika an'Ahe."43Ary laha bona teo am-pijakana Ijy, die avy Jodasy, raika amin'ireo rômbifolo lahy, niaraka tamina vahôke betsake ijay nitondra sabatra sy langilangy, avy amin'ireo lohan'ny mpisorona, ny mpanoradalàna, ary ny loholona. 44Ary ilay namadika an'Ajy nagnome famantarana an-dreo, nijaka hoe: "Ijay horohako, Ijy ilay Ijy, sambory Ijy die ambeno." 45Laha avy Jodasy, die nagnantogna an'i Jesôsy avy hatragny ijy sady nijaka hoe: "Raby," die nagnoroka an'Ajy ijy. 46Avy eo die nisamborin-dreo Jesôsy.47Fa nisy raika tamin-dreo nitsangagna teo namôka ny sabatrane die namango ilay mpanompon'ny mpisoronabe ka nanapaka ny tadignine. 48Hoy Jesôsy tamin-dreo hoe: "Avy hanambotra an'Ahy, hôtrany hanambotra Jiolahy, miaraka amin'ny sabatra sy langilangy ve anareo? 49Tamin'Iaho teo aminareo isan'andro sy ny mpianatra teo amin'ny Fengonana, tsy nisam-borinareo. Fa namboarina ijao mba hahatomombagna ny Soratra Masina." 50Die nilefa an'Ajy daholo ireo abiaby niaraka tamin'i Jesôsy sady nivone.51Die nisy tovolahy raike, tsy nagnano afa-tsy akanjo hariry fotsine mandy, nagnaraka an'i Jesôsy. Laha nisamborin'olo Ijy 52die nabelany teo ny akanjony ka nenga nilefa niboridagna ijy.53Nindôsin-dreo tagny amin'ny mpisoronabe Jesôsy. Niara-nivorovoro tamin'Ajy teo daholo ny mpisorona abiaby, sy ny loholona, ary ireo mpanora-dalàna.54 Ary Petera nagnaraka an'Ajy avy egny lavidavitra egny, hatragny amin'ny tokontanin'ny mpisoronabe. Nitoboke teo amin'ireo mpiambigna ijy, ijay namindro teo akekin'ny afo.55Ary ireo lohan'ny mpisorona sy ny Synedriona Jiosy die nirembe vavolombelogna manohitra an'i Jesôsy mba hahafahan-dreo mamono an'Ajy ho fate. kanefa tsy nahita areo.56 Fa be ny nempanga vandy an'Aje, nefa na ny fempangan-dreo aja tsy mitombogna mihitsy.57Ary nisy olo saragne nitsangagna ka nilaja vandy an'Ajy; hoy areo hoe: 58"Regninay Ijy nijaka hoe: "Hiravaiko itoy fengonana nanboarina tàgnana itoy, ary ao agnatin'ny telo andro iaho die hanangagna raika hafa tsy namboarin-tàgnana." 59Fa bona tsy nifagnaraka mande ny fempangan-dreo.60Ary ny mpisoronabe nitsangagna teo amin-dreo die nagnontany an'i Jesôsy hoe: " Tsy manan-kavaly ve Anao? Ino ijany hempangan'ito olo ito Anao ijany?" 61Fa nangigna Ijy sady tsy nijaka n'ino n'ino. Die bona nangnontany an'Ajy mandy ny mpisoronabe ka nagnano hoe: "Anao ve no Kristy, Janak'Ilay vôtahy?" 62Die hoy Jesôsy hoe: "Iaho no Ijy; die ho hitanareo ny Janak'olo laha mitoboke eo an-tàgnankavanan'ny herin'Andriamanitra sy avy egny amin'ny rahon'ny lagnitre."63Ary ny mpisoronabe nandrota ny lambane sady nagnano hoe: "Bona miremby vavolombelogna mandy ve antsena?64 Efa regninareo ny fitenenan-dratsy. Ino ny fanapahan-kevitrareo?" Ijy abiaby die nagnameloka an'Anajy hôtrany ny olo mendrika ho faty. 65Ny saragne nanomboka nandrora an'Ajy ary nandrakotra ny vatagne ka nadraha an'Ajy ary nagnano tamin'Ajy hoe: "Maminania! Ary ireo manam-boninahitra nagnala an'Ajy ka nagnatokatoka an'Ajy.66Ary laha teo ambany teo an-tokotany Petera, die nagnantogna an'ajy ny raika tamin'ireo mpanompo vavin'ny mpisoronabe. 67Nahita an'i Petera nitsangagna namindro teo amin'ny afo ijy, die nifantariny mariny. Die hoy ijy tamin'ajy hoe: "Anao koa niaraka tamin'ilay Najariana, Jesôsy". 68Fa ijy nandà ijany, ka nagnano hoe: "Tsy fantako sady tsy ajoko ijay jakainao." Avy eo lasa nenga ny tokon-tany ijy. [Fagnamarihana: Ireo fandikana saragne magnampy hoe: "Die nagneno ny akoho," fa fireo fandikana taloha tsara indrindra die tsy misy an'io teny io.]69Fa ilay jajaviavy teo nahita an'ajy die nanomboka nijaka tamin'ireo olo nitsangagna magnodidigna indraika hoe: "Io lelahy io die raika amin-dreo!" 70Fa bona tsy nagneky ijany indraika ijy. Afaka kelikelin'igne die hoy ireo nitsangana teo tamin'ny Petera hoe: "Raika amin-dreo mihitsy anao, satria anao koa die Galiliana."71Fa nanomboka nanitsike tegnane sy nifantafanta ijy hoe: "Tsy fantako ijany lelahy jakainareo ijany." 72Ary niaraka tamin'ijay die nagneno in-droa ny akoho. Avy eo die nahatadidy ny jakan'i Jesôsy tamin'ajy Petera hoe: "Laha bona tsy magneno fagnin-droany ny akoho, die handa anahy intelo anao," Die nalahelo mafy ijy sady nitagny.

Chapter 15

1Vô mandraigna-be, die nivory ny mpisorogna-be niaraka tamin'ireo loholona sy ireo mpanora-dalàna ary ny Synedriona Jiosy iray manotolo. Nifihejindreo i Jesôsy die nindôsindreo nivôke. Namendreo an'i Pilato Ijy. 2Nagnotany Anajy i Pilato hoe: "Anao ve mpajankan'ny Jiosy?" Nivalene hoe: " Voalajanao." 3Nagnome fepangana rahabe manohitra an'i Jesôsy areo lohan'ny mpisorona4Nagnotane Anajy koa i Pilato hoe: " Tsy magnome valiteny ve Anao? Jereo ny haben'ny fitorena indaon'ijy ireo manohitra anao!" 5Fa tsy namale an'i Pilato koa i Jesôsy, die nahagaga anajy ijany.6Ary tamin'ny andro fifalefalena, die nandefa gadra raike ho andreo i Pilato, gadra ijay angatahindreo.7 Niaraka tao amin'ny mpitokogna tao andragnomejigna, teo amin'ireo mpamon'olo ijay vôtajogna nohon'ny fandresan'ijy ireo anjara tamin'ny fitokonana, die nisy lelahy raike angehina hoe Barabasy. 8 Die nagnantogna an'i Pilato ny vahôke ka nanomboke nangataka taminajy mba hambôtra ho andreo araka ny fataony tagny aloha.9Pilato namaly andreo ka nanao hoe: "Tienareo ve laha ny mpanjakan'ny Jiosy no halefako hônareo?" 10Satria fantane fa felognana no nagnomejan'ny lohan'ny mpisorogna an'ny Jesôsy taminaje. 11Fa nagnantegna an'ny vahôke ireo lohan'ny mpisorogna mba hihiekeke mahare -be fa tokony ho i Barabasy koja no halefa.12Die namaly andreo ireo mandy i Pilato ka nanao hoe: " Ino ary jane no tokony hatako amin'ny mpanjakan' ny Jiosy?13 "Die nihiekeke indraika koa ijy ireo ka nana hoe: " Homboy ijy!"14Hoy i Pilato tamin'ijy ireo hoe: "Ino ny ratsy namboarine?" Fa nihekeke fahijafahijay ijy ireo hoe: " Homboy ijy." 15Te hagnano ijay mahafam-po andreo i Pilato ka die navelane ho andreo i Barabasy. Nifihine i Jesôsy die avy teo namene mba homboina.16Nindan'ireo miaramila ho eo an-kianja Ijy (ijay toerana ampovône amin'ny fanjakana), ary die nangehindreo ny antoko miaramila manotolo.17 Napekanjoindreo lamba volomparasy i Jesôsy ary nirongo fehihiloha marangitre areo ka nampipetake anijany taminy.18 Die nanomboke niarahaba anaje ijy ireo sady nijaka hoe: " Arahaba, ry mpanjakan'ny Jiosy!"19Nifihindreo tamina volotara ny lohane sady nandrorandreo Ijy. Die nentongalike taminajy teo areo sady mody nidera Anaje. 20Laha avy nagneso anajy areo die nalaindreo taminajy koa ny lamba volomparasy ary nampekajoindreo anaje ny ankanjone manokagna, ary die nindandreo nivôka ijy mba hanomboana anaje. 21Nifôrisendreo ny mpandalo raike ijay avy lahatagne an-karenana mba hilanja ny hajo fijalen'i Jesôsy, lelahy raike angehina hoe: "Simona Kyreniana iaban'i Aleksandra sy Rofosy.22Nindôsin'ireo miaramila tagny amin'ny toerana atao hoe Gologota Jesôsy (ijay midika hoe "Toeran'ny karandoha"). 23Namendreo divay mifangaro miora Ijy, fa tsy ninogna anijany ijy. 24Die nihomboandreo ijy ary nifampijarandreo tamin'ny alalan'ny ankitsapaka ny fitafene mba hahalalana ijay ampahane resin'ny miaramila tsiraidraike.25Tamin'ny ora fahatelo Ijy no nanomboke nohomboan'ijy ireo. 26Ary teo amin'ny takela-kajo raike no nisoratandreo ny fepangana nanohitra Anajy hoe: "Mpanajakan'ny Jiosy. 27 "jiolahy roe no niarake nihomboindreo taminajy, ny raike teo ankavanane ary ny raika koja die teo ankaviane. 28 [ Fagnamarihana: ireo fandikana tsara indrindra die tsy magnisy ny marka hoe: " Die tontosa ny soratra masigna manao hoe: 'Natao ho isan'ny mpagnota Ijy.' ( ampitaho ny lioka 22: 35)]29Ireo jay nandalo teo die naniratsira Anaje, nihifikifi-doha ary nanaohoe: " Tsiare! Anao ilay afaka mandrava ny tempoly ary manangagna anijany agnatin'ny telo andro, 30vonjeo ny tegnanao ary midigna teo amin'ny hajofijalena io!"31Ny lohan'ny mpisorogna koa die nagneso Anajy tahaka anijany, niaraka tamin'ny mpanora-dalàna, ary die nijaka hoe: " Namonjy ny hafa Ajy, nefa tsy mahavonjy ny tegnany.32 ôka ilay Kristy mpanjakan'ny Israely hidigna avy eo amin'ny hajofijalena ba hohitanay sy hinônay", ary areo nihomboana niaraka taminaje koa die nagneso Anaje33tamin'ny ora fahenina die avy teo amin'ny tany abiaby ny hejigna hatramin'ny ora fahasivy. 34 Ary tamijany ora fahasivy ijany die nihiekeka tamin'ny feo mafy i Jesôsy hoe: "Eloy, Eloy, Lamà Sabaktany?" Ijay midika hoe: " Andremanitr'ô, Andremanitr'ô, nahôna anao nahafoy anahe?" 35Ny sasagny nitsangagna teo naharegny ny jakany ka nijaka hoe: '"Jereo, mangaika an'i Elia Ijy."36Nisy olo raike nihajakajake, namonto divay masimasigna ny sipaojy, ary nandrekitra anijany tamin'ny volotara, die nagnome anijany hinominy. Ilay lelahy nilaja hoe: " ôka ho hitanay laha avy hampidigna anajy eo i Elia. 37"Avy teo Jesôsy die nikiekeke tamina feo maharè die mate.38 Rota nijara roe lahategny ambony ka hatragny ambane ny lamban'ny tempoly.39Laha nohitan'ilay kapiteny ijay nitsangagna sy nifagnatrike tamin'i Jesôsy fa maty taminijany fomba ijany ijy, die hoy ijy hoe: "Tena Janak'Andriamanitra marina tokôtrany io lelahy io."40 Die nisy viavy koa nijery tegny lavitra tegny . agnisan'ijany Maria Magdalena, Maria (iendrin'ny Jakôba jandriny sy Josesy), ary Salome41 Tamin'Ijy tagny Galilia die nagnaraka Anaje sy nanompo Anajy areo. Ary viavy maro hafa koa no niaraka niakatra taminajy tagny Jerosalema.42Ka laha avy ny aligna, satria andro fiomagnana, ijany hoe, andro melohan'ny Sabata io,43 die avy teo Josefa avy agny Arimatia. Mpikambagna hajaina ao amin'ny Synedriona ijy, ijay nandigny ny Fanjakan'Andremanitra. Nanagna fahasahena ijy nandeha tagny amin'i Pilato hangataka ny fatin'ny Jesôsy.44 Gaga Pilato hoe maty sahady Jesôsy; die nangihany ilay kapiteny ary nagnotaneny anajy ijy raha maty Jesôsy.45Laha nahajo antoka tamin'ilay kapiteny ijy fa maty Jesôsy, die nameny an'i Josefa ny vatagna mangatsekany. 46Ary Josefa nividy hariry madinike. Nampidigna an'i Jesôsy teo ambony hajofijalena ijy, die namogno hariry madinika Anaje, ary nagnavela Anajy tao ampasagna ijay niloahany tao amin'ny vatolampy. avy teo nagnakodia vato kely tao amin'ny varavaram-pasagna ijy.47 Die hitan'i Maria Magdalena sy Maria iendrin'i Josesy ny toerana nandevegnana Anaje.
Chapter 16

1Laha nifaragna ny andron'ny Sabata, die nivanga raha-magnitre hosorana amin'ny fatin'ny Jesôsy i Maria Magdalena sy Maria endrin'i Jakôba, ary Salome nivanga hagnitre mba henga ary hagnosotre ny fatin'i Jesôsy. 2Vô maraigna be tamin'ny andro vôlohany herignandro, die nandeha tegny amin'ny kibory areo laha niposake ny masoandro.3Die nifampijaka areo hoe: ''Ija no hanosike ny vato eo amin'ny varangaran'ny kibory amin-tsena?''4 Laha nijaha areo die hitany fa efa vôtosike nenga teo ilay vato, die tena angejabe tokotre.5Niditre tao an-kibory areo die jalahy nekanjo fotsy, die nitoboke teo an-kavanana, ary die jendagana areo.6 Die hoy ijy tamin-dreo hoe: '' aja mangoaigna. Mandrembe an'i Jesôsy anareo, ilay Nazarena, ijay nombohana. Nifoha Ijy . tsy eto Ijy. Jahao7 ny toerana jay nagnambelandreo an'Aje. Fa andagne jakao ny mpianane sy Petera heloha lalagna anareo agny Galelia Ijy. Agny no ahitanareo an'Aje, jay efa nijakaine tamin'nareo.''8Nivôke areo ka nihajakajake nenga ny kibory; nangitakitake sy jendagna areo. tsy nijaka ndre ino nino tamin'ny olo areo satria tena nangoaigna be .9[Fagnamarihana: Ny fandikana taloha tsara indrindra die mangala an'i Marka: 16: 9-20] Vô maraigna tamin'ny andro vôlohany herignandro, tafaran'ny nitsanganany, die nibôke tamin'i Maria Magdalena heke Ijy, ilay nandroahane demonia fito.10 Die nenga Maria ary nijaka ny vaovao tamin-dreo niarake tamin'i Jesôsy, laha mbola mandala sy nitagny areo.11 Regnindreo fa velogna Ijy die nahita an'Ajy fany nekany areo.12[Ny fandikana taloha tsara indrindra die mangala ny Marka16: 9-20]Tafaran'ireo raha ireo Jesôsy die nibôke tamin'ny endrika hafa tamin'ny roa tamin-dreo, laha nenga ho agny an-tanàna areo.13 Die nenga areo ary nijaka tamin-dreo mpianatre sisa, fany nenkany areo.14[Fagnamarihana: Ny fandikana taloha tsara indrindra die mangala ny Marka16: 9-20]Tafara kely die nibôke tamin'ny raike ambiny folo lahy Jesôsy laha mbola teo am-pihinana areo, die nijaka nahare an-dreo Ijy nohon'ny tsy finôna sy haherin'ny fon-dreo,satria nenkany areo ijay tojo an'Ajy tafaran'ny nitsanganany tamin'ny maty areo.15 Die hoy Ijy tamin-dreo hoe: ''Mandihana amin'jao tontolo jao die torio amin'olo aby ny filajantsara.16 Jay mino sy hatao batisa no ho vonjena. Jay tsy mino koja die ho helohina.17[Fanagnamirina:Ny fandikana tolaha tsara indrindra die mangala ny Marka16: 9-20]Ireto famantarana ireto die hagnarake an-dreo jay mino: Amin'ny agnarako ny handroahandreo demonia. Hijaka amin'ny fijaka vaovao areo.18 Hitsamo menaragna amin'ny tagnana areo, ary laha hinogna raha-mahafaty die tsy mampagnahe an-dreo ijany. Hametra-tagnana amin'ny marary areo die hahafake iregny.''19[Ny fandikana taloha tsara indrindra die mangala ny Marka 16: 9-20]Laha avy nivoria tamin'ajy ireo ny Tompo, die nampiakarine ho agne an-dagnitre Ijy ary nitoboke teo an-tagnana ankavanan'Andriamanitra.20 Die nenga areo mpianatra nitory tegny rehetra tegny, die ny Tompo niara-niasa tamin-dreo die nagnamafy ny jaka tamin'ny alalan'ny famantarana jay niarake tamin-dreo.

Luke

Chapter 1

1Rahabe ireo niejaka nanoratra tantara momba ireo raha nitranga ijay tanteraka teto amintsena, 2araka ijay efa nolorandreo anajy tamintsena, ijay efa vavolombelogna nagnati- maso sy mpanompo ny teny hatragny am-pendohana. 3Ary aminahy mandy koa die hôtran'ny mety laha efa nagnadihady tsara ny fandehan'ny raha manontolo hatrami'ny vôlohany - ny nanoratra tatitra araka ny filaharany hônao, ry Teofilo mendrika mendrika indrindra. 4Ijany die ba hahafantaranao ny marina momba ireo raha ijay nampenarina anao.5Tamin'ny andron'ny Heroda, mpajakan'ny Jodia, die nisy tamin'ireo mpisorogna angehina hoe Zakaria, avy lahatamin'ny antokon'i Abia. Ny vadiny die avy lahatamin'ny janaka viavin'i Arona, ary ny agnarany die Elizabeta. 6Samy marina teo agnatrehan'Andriamanitra ijy ireo, ary nankato ireo didy manontolo sy ireo fitsipiky ny Tompo. 7Fa tsy nanan-janaka anefa ijy ireo, satria momba Elizabeta, ary samy efa tena mavojo ihiany koa ijy roa ireo tamin'ijany fotôgna ijany.8Ary ijany die mahakasika an'i Zakaria teo agnatrehan'Andriamanitra, nagnatanteraka ireo asan'ny fisorognana araka ny fifandimbiajan'ny isan-tokony. 9Araka ny fomba fanaon'ijy ireo ny amin'ny fisafidianana mpisorogna ijay tokony hanompo, die vôfidin'ny kodiarana kely hiditra hagnoro ny emboka magnitra ao an-tempolin'ny Tompo ijy. 10Tamin'ny lera nagnorôna ny emboka magnitra die nivavaka tegny ambohony ny vahôka manontolo.11Ary nisy anjelin'ny Tompo nivôka taminajy ary nitsangagna teo ankavanan'ny alitara nisy ny emboka magnitra.12 Laha efa nahita an'ajy i Zakaria, die reki-tahotra ary feno tahotra ijy.13 Fa hoy ny anjely tamin'ajy: ''Aja matahotra, ry Zakaria, efa nirignesina ny vavakao. Hitoeran'anaka lelahy aminao Elizabeta vadinao. Jaona no hagnanôvanareo ny agnarany.14Hanam-,pifalena sy haravôna anao, ary rahabe koa ny ho faly amin'ny fahaterahany. 15Satria ho lehibe ijy eo amason'ny Tompo. Tsy hinogna divay na javam-pisotro mahery mihitsy ijy, ary ho feno ny Fagnahy Masina lahatan-kibondreniny ijy.16Rahabe ami'ny vahôka Israely no hitodika amin'ny Tompo Andriamanitr'ijy ireo.17 Henga eo alohan'ny vatagn'ny Tompo amin'ny fagnahy sy herin'Elia ijy. Ijany no amboariny die ny ba hitodihan'ny fon'ny ray amin'ny janaka, ba handihanan'ireo ijay tsy mangneky amin'ny lalagnin'ny fahendren'ny marina ba hagnomagnana vahôka efa vognona hôn'ny Tompo no ho magnina hônajy.''18Ary Zakaria nijaka tamin'ny anjely hoe: ''Ahôna no ahafantarako anijany? Fa iaho efa rangahy ary ny vadiko die efa tena ragnavavy.'' 19Ary hoy ny anjely namaly sy nijaka taminajy: ''Iaho no Gabriela, ilay mitsangagna eo agnatrehan'Andriamanitra. Ary vôiraka aho ba hilaja aminao, hitondra ijao vaovao tsara ijao aminao. 20Ka ijao! ho môgna anao ka tsy afaka hijaka, mandrapeven'ny andro hisehôn'ireo raha ireo. Satria tsy nino ny jakako anao, ijay ho tanteraka amin'ny fotôgna vôfaritra.''21Ary ny vahôka vijaka nandigny an'i Zakaria. Jendagna nohon'ny fijanognany ela be tao an-tempoly ijy ireo. 22Fa laha efa nivôka ijy, die tsy afaka nijaka tamin'ijy ireo. Ary fantatr'ijy ireo fa nahita fahitana ijy tamin'ijy tao an-tempoly. Nagnano beko môgna tamin'ijy ireo ijy ary nijanogna ho môgna. 23Ary laha efa avy ny andro ahataperan'ny fotôgna, die nenga nody tagny andragnony ijy.24Tafaran'ireo andro ireo, die nipitrahan'anaka Elizabeta ary nivony nandritry ny dimy volagna. Hoy ijy hoe: 25"Ijao no namboarin'ny Tompo hônahy laha efa nitsinjo anahy Ijy ba hangala ny hegnatro eo agnatrehan'ny olo.''26Teo ami'ny faha enim-bolagna, die nirahin'Andriamanitra ny anjely Gabriela nandeha agny amin'ny tanàna raika tao Galilia atao hoe Nazareta, 27ho agny amina virijiny raika ijay fofom-badina lelahy nangihina hoe Josefa. Agnisan'ny taranak'i Davida ijy, ary ny agnaran'ilay virijiny die i Maria. 28Nandeha taminajy teo ijy ary nijaka hoe: "Arahaba, ry ilay nihasoavina indrindra! Ny Tompo ho ao aminao.'' 29Fa tena very hevitra tamin'ny jakany ijy nagnotany tagna hoe karajagna ferabana hôtran'ny ino ijany.30Hoy ny anjely tamin'ajy: ''Aja matahotra a Maria, fa efa nahita sitraka tamin'Andriamanitra anao. 31Ijao, hipitrahan'anaka anao ka hiteraka jaja lelahy. Ary ny agnarany hantsoina hoe 'Jesôsy'. 32Ho lehibe Ijy ary hantsoina hoe Janaky ny Avo Indrindra. Ny Tompo Andriamanitra no hagnome Anajy ny seja fiendriagnan'i Davida rajambeny. 33Ary hanjaka mandrakijay amin'ny taranak'i Jakoba ijy, ary tsy hanam-pahataperana ny fanjakany.''34Hoy Maria tami'le anjely: ''Ahôna no hisehôn'ijany, fa bola tsy niaraka natory tamina lelahy aho?'' 35Ny anjely namaly sy nijaka taminajy hoe: "Hirotsaka aminao ny Fagnahy Masina, ary ny herin'ny Avo Indrindra no ho avy aminao. Ka le masigna ho teraka die hantsoina hoe Janak'Andriamanitra.36Ka, Elizabeta havanao die nitoe-jaja hiany koa na die tamin'ny fahavojôny aja. Efa mandray enim-bolagna ny anajy ijao, ijy natao hoe momba.37 Satria tsy misy raha tsy ho ajo tanterahina amin'ny Andriamanitra.'' 38Hoy i Maria: ''Itoy aho, mpanompovavin'ny Tompo. Ôka ho tanteraka aminahy ijany araka ny hafatrao.'' Ary nenga taminajy teo ny anjely.39Ary tamin'ijany andro ijany i Maria die nenga ka nandeha malaky tegny amin'ny tany ambony, agny amin'ny tananan'i Jodia.40 Nenga tagny andragnon'i Zakaria ijy ary nerahaba an'i Elizabeta.41 Ary laha naharegny ny fieraban'i Maria i Elizabeta, die nibitaka ny jaja tao ankibony, ary hibokin'ny fagnahy masina i Elizabeta.42Nanandram-peo sy nijaka mahare ijy hoe: ''Nisoavina nohon'ny viavy abiaby anao, ary nosoavina ny nateraky ny kibonao.43 Nahôna ijany no mitranga aminahy fa le iendrin'ny Tompoko no avy hagnantogna anahy?44 Fa koja, raha efa avy teo amin'ny tadigniko ny ferabanao, kevom-pifalena ny jaja ato an-trokako. 45Tretrika ijy ijay nino fa ho tontosa ireo raha ijay nijakain'ny Tompo taminajy.''46Hoy i Maria: ''Midera ny Tompo ny fagnahiko, 47ary ny fagnahiko nifaly tao amin'Andriamanitra mpamonjiko.48Fa nijaha ny fahantran'ny mpanompo vaviny Ijy. Ary ijao, manombok'ijao ny taranaka manontolo hangaika anahy hoe sambatra.49 Satria nagnano raha angejabe taminahy ilay mahavita ny raha manontolo, ary masigna ny agnarany.50Fa maharitra hôn'ny taranaka fara-mandimby ijay matahotra Anajy ny famindram-pony. 51Nampiseho ny heriny tamin'ny sandriny ijy; ary nagnaparitaka ireo ijay nirehareha tamin'ny saignany ny fon'ijy ireo.52Naongagny tamin'ny seja fiendriagnany ny janaka lahin'ny mpanjaka ary ireo ambany nasandrany. 53Nataony voky raha tsara ireo tehinagna, fa ny mpagnefoefo nampodieny tsy nanagna na ino na ino.54Nagnome fagnampena an'Israely mpanompony Ijy, ba hahatsarôny haneho famindram-po 55(araka ny nijakainy tamin'ireo iabantsena) tamin'i Abrahama sy ny taranagny mandrakijay.''56Nijanogna nitoboka tao amin'ny Elizabeta tokony ho telo volagna i Maria ary avy eo nipody nody tagny andragnony. 57Ary avy ny fotôgna hiterahan'i Elizabeta ny janagny ary niteraka jaja lelahy ijy. 58Naharegny ny famindram-po lehibe namboarin'ny Tompo taminajy ireo mpiara-monigna aminajy sy ireo havany, ary niaraka faly taminajy ijy ireo.59Ary tamin'ny andro faha valo die avy hamora ny jaja ijy ireo. Saky hangihandreo hoe ''Zakaria,'' araka ny agnaran'ny iabany ijy. 60Fa ny iendriny koja namaly ary nijaka hoe: ''Tsiary. Jaona no hagnantsovana anajy.'' 61Ary hoy areo taminajy: ''Tsy misy amin'ny havanao angihina amin'ijany agnarana ijany.''62Nagnano beko môgna tamin'ny iabany ijy ireo ny amin'ny tieny hatao agnarany.63 Nangataka solaitra fanoratana i abany ary nanoratra hoe: ''Jaona no agnarany.'' Ary die jendagna tamin'ijany ijy manontolo.64Ary niaraka tamin'ijay die nivoha ny vavany ary nafagnina ny lelany. Nijaka ijy ary nidera an'Andriamanitra. 65Avy teo amin'ireo manontolo magnodidigna anajy ireo ny tahotra. Ary niparitaka eran'ny tanàna ambon'i Jodia ny raha nitranga abiaby teo. 66Ary ireo rehetra naharegny anio die nandray tao am-pony, ary nijaka hoe: ''Ho lasa ino ary toy jaja toy?'' Fa momba anajy ny tagnan'ny Tompo.67Ary feno ny fagnahy masina i Zakaria iabany ary naminangny, ka nijaka hoe: 68"Deraina anie ny Tompo, Andriamanitr'Israely, fa avy nagnampy sy nagnatanteraka ny fagnafahana hôn'ny vahôka Ijy.69Nanandratra ambony ny tandrom-pagnavotana hôntsena ao andragnon'i Davida mpanompony Ijy,70 tahaka ijay nijakainy tamin'ny vavan'ireo mpaminagny masigna tamin'ny andro taloha tagny.71 Hitondra famonjena amin'ny fahavalontsena sy amin'ny tagnan'ireo manontolo mankahala antsena Ijy.72Ijany no hamboariny die ny ba hampisehôna ny famindram-po amin'ireo raintsena sy hampitadidiena ny fagnekem-pihavanany Masina, 73 die le fianiagnana nijakainy tamin'i Abrahama iabantsena. 74Nianinana ny hajahôntsena, laha efa afaka tamin'ny tagnan'ny fahavalontsena, manompo Anajy tsy amin-tahotra, 75am-pahamasignana eo agnatrehany amin'ny androntsena manontolo.76Eka, ary anao, a jaja, die hangihina hoe mpaminagnin'ny Ambony Indrindra, fa henga helohan'ny vatagnin'ny Tompo anao hambôtra ny lalagny, ba hagnomagnana ny olo amin'ny fevieny,77 ba hagnome fahalalam-pamonjena hôn'olony amin'ny alalan'ny fagnavilana ny helok'ijy ireo.78Ijany no hitranga die nohon'ny famindram-po masin'ny Andriamanitrantsena, nohon'ny amin'ijany no hiposahan'ny masoandro lahatamin'ny ambony ba ho avy hagnampy antsena,79 hagnajava an'ireo ijay mipetraka ao agnatin'ny hejigna sy ireo ao agnatin'ny aloky ny fahafatesana. Hamboariny ijany ba hitarihana ny hongotratsena amin'ny lalam-pedanana.80Ary ny jaja die nitombo ary nahery amin'ny fagnahy, ary tagny agnefitra ijy mamdrapeven'ny andro hisehôny ankarihary amin'Israely.
Chapter 2

1Ary tamin'ijany andro ijany, die namôke didy mibeko ijay mibeko ny hagnisana ny olo abiaby miaigna eto amin'ijao tontolo ijao Aogosto Kaisara.2 Ijany no fagnisam-bahôke namboarina vôlohane tamin'i Kyrenio no mpanapaka tagny Syria.3 Noho ijany ny olo abiaby die namonjy ny tanàna misy an'ajy aby mba hisoratra agnarana hôn'ny fagnisam-bahôke.4Die nienga avy tagny Galilia koa Josefa, avy tagny an-tanànan'ny Najareta, ho agny Jodia, tanànani Davida ijay angihina hoe Betlehema, satria ijy die avy amin'ny tragno sy havan'i Davida. 5Nienga tagny ijy mba hisoratra agnarana niaraka tamin'i Maria, fofom-badine sady betroke.6Ary laha mbola tagny areo, die avy ny fotôgna hitirahane ny janagne.7 Niteraka jaja lelahy ijy, janagne vôlohane, ary ijy nandrakotre lamban-jaja an'Aje sady nampatory an'AJe teo amin'ny fihinanan'aomby ahitre, satria tsy nisy toerana hon-dreo tao amin'ny ôtely.8Nisy mpiambigna ondry tamin'ijany faritra ijany ijay nijanogna tagny an-karenana, niambigna ny andian'ondry tamin'ny aligna.9 Nisy anjelin'ny tompo niseho tamin-dreo, ary ny voninahitry ny Tompo namirapiratre magnodidigna an'ajy, ka nangoaigna areo.10Die nijaka tamin-dreo ny anjely nagnano hoe: "Aja matahotra, fa hijaka vaovao tsara ijay hitarika hafalena makadiry hôn'ny olo abiaby iaho. 11Androany die nisy mpamonjy ijay terake hônareo agny an-tanànan'i Davida! Ijy no Kristy Tompo!12 Ijao no famantarana ijay homena anareo: Hahita jajakely mirakotra lamban-jaja sady matory eo amin'ny fihinanan'aomby ahitre anareo.13Vetivety teo niaraka tamin'ilay anjely, die nisy tafiky ny lagnitre makadiry nidera an'Andriamanitra nagnano hoe:14 "Voninahitra hôn'Andriamanitra agny am-bony indrindra, ary hisy fedagnana anie etoy an-tane eo amin'ny olo ijay ankasitrahane."15Ary laha nienga teo amin-dreo niakatra an-dagnitre ireo anjely, ny mpiambigna ondry nifampivoria hoe: " Andao antsena ijao hoagny Betlehema, sady hitsirike ijany raha-miseho ijane, ijay nampahafantarin'ny Tompo antsena ijane." 16Nienga nalaky tagny areo ary nahita an'i Maria sy Josefa, ary nahita ny jajakely natory teo amin'ny fihinanan'aomby ahitre.17Tafaran'ny nahitan-dreo an'Ajy, die nitantarain-dreo ny raha abiaby regnin-dreo mahakasika io jaja io.18 Ijay abiaby naharegny ijany die jendagna ny amin'ny nivorianin'ny mpiambigna ondry tamin-dreo.19 Fa Maria koja nanohy nieritreritre mahakasika ny raha abiaby ijay regnine, ary nandrekitre iregny tao am-pone. 20Nimpody ireo mpiambigna ondry, nagnome voninahitra sy nankalaja an'Andriamanitra noho ny raha abiaby ijay regnin-dreo sy hitan'ireo, araka ijay nivorianina tamin-dreo.21Laha tapitra ny andro faha valo, laha niforaina Ijy, die nomena agnarana hoe Jesôsy, ilay agnarana nomen'ilay anjely an'Ajy talohaka ny namitrahana an'Ajy tagnaty troke.22Ary laha tapitra ny isan'ny andro notakena hidiovane, araka ny lalàn'i Mosesy, die nitondra an'Ajy niakatra hoagny am-pengonana tao Jerosalema i Maria sy Josefa mba hanolotra an'Ajy eo amin'ny Tompo.23 Araka ijay vôsoratra ao amin'ny lalàn'ny Tompo hoe: "Ny lelahy abiaby ijay vôlohan-teraka die hatokagna hôn'ny Tompo."24 Noho ijany die nagnome sorona araka ijay vôlaja ao amin'ny lalàn'ny Tompo areo, "domohigna roe na janaka voromamanga roe."25Ary indro ,nisy lelahy tagny Jerosalema, Simona negnarane, ary ijany lelahy ijany die marina sy mahery fo. Nandrembe ny fampiononana an'Israely ijy, ary tao amin'ajy ny Fanahy Masina.26 Natoron'ny Fanahy Masina tamin'aje fa tsy hahita fahafatesana melohan'ny ahitane ny Kristin'ny Tompo ijy.27Nidôsin' ny Fangahy, ho agny am-pengonana Simona. Laha nitondra an'i Jesôsy jajakely niditre iabane amin'iendrine, mba hagnatanteraka an'Ajy araka ny fomba ao amin'ny lalàna, 28die nitrotroiny Ijy sady nidera an'Andriamanitra ary nagnano hoe:29 "Amin'ijao fotôgna ijao abilao andeha am-pedagnana ny mpanomponao, ry Tompo, araka ny jakanao.30Fa ny masoko nahita ny famonjenao,31 ijay nomagninao teo amason'olo abiaby:32 Die fahajavàna ho fagnambarana hôn'ny Jentilisa ary voninahitre hôn'Israely olonao."33Iabane sy iendrin'ilay jaja die jendagna tamin'ny raha nijakaine mahakasika an'Aje. 34Nitso-drano an-dreo Simona ary nijaka tamin'i Maria hoe: "Indro, itoy jaja itoy die vôtondro hômin'ny fandavôna sy fagnambonena ny olon'Israely rahabe ary ho famantarana ijay tsy nekena- 35ary hisy sabatra hagnatrobake ny fagnahinao-mba ho vômbara ny hevitry ny fo rahabe."36Nisy mpaminany viavy raike angihina hoe Ana teo. Janaka vavin'i Fanoela avy amin'ny foko Asera ijy. Antitra be ijy. Niray tragno tamin'ny vadine fito taogna tafaran'ny nahavirijiny an'ajy ijy, 37ary mpitondra tegna nandritra ny efatra amby valopolo taogna. Tsy niala ny fengonana mihitsy ijy fa nanompo tamin'ny fifadian-kanina sy vavake, andro aman'aligna.38 Tamin'ijay ora ijay indrindra die nagnakeke an-dreo ijy ary nanomboka nagnome fisôrana an'Andriamanitra sy nivoria ny mahakasik'ilay jaja tamin'olo abiaby ijay nandigny ny fagnavotana an'i Jerosalema.39Laha nahefa ny raha abiaby nampanôvina an'ajy araka ny lalàn'ny Tompo areo, die nipody tagny Galilia, agny an-tanànan-dreo agny Najareta. 40Nihalehibe ny jaja ary nihanatanjaka, nitombo fahendrena, ary ny fahasoavan'Andriamanitra die tamin'ajy tao.41Iabane amin'iendrine die nandeha agny Jerosalema isan-taogna homonjy ny lagnonan'ny Paka. 42Laha rômbifolo taogna Ijy, die nandeha tagny araka ny fomba famboarine amin'ny fety indraika areo.43 Ary laha avy nipetraka tagny nandritra ny andron'ny fety manotolo areo, die nanomboka niherigna nody areo. Fa Jesôsy jajalelahy nijanogna tagny Jerosalema nefa tsy fantan'iabane sy iendrine ijane. 44Nieritreretin-dreo fa tafara-dia tamin'olo niaraka tamin-dreo IJy, die nandeha indraik'andro manotolo areo. Ary avy teon'igne die nanomboke nandrembe an'Ajy tagny amin'ireo havane sy ireo akamane areo.45Laha tsy hitan-dreo Ijy, die nipody tagny Jerosalema areo ka nanomboka nandrembe an'Ajy tagne. 46Laha afaka telo andro, die hitan-dreo tao am-pengonana Ijy, nitoboke teo agnivon'ireo mpampianatre, niheno an-dreo sady nametraka fagnontanena tamin-dreo.47 Ijay abiaby naharegny an'Ajy die jendagna tamin'ny fahalalane sy ireo valintenine.48Laha nahita an'Ajy areo, die varegna. Iendrine nijaka tamin'Ajy hoe: "Janako, nagnino anao no magnano hôtran'ijao anay? Tenoy, iaho sy iabanao nandrembe anao tamin-tahotre."49 Ijy nijaka tamin-dreo hoe: "Nagnino anareo no mandremben'Ahe? Tsy fantatrareo ve fa tsy mentsy ho ao an-dragnon'Iabako Iaho?"50 Fa tsy ajon-dreo ijay tiane hijakaina tamin'ijany teny ijane.51Die nody niaraka tamin-dreo tagny Najareta Ijy sady nagnaja an-dreo. Iendrine die nandrekitre ijany raha abiaby ijany tao am-pone. 52Fa Jesôsy niha-nitombo fahendrena sy niha-lehibe, ary nitombo fitia tamin'Andriamanitra sy ny olo.
Chapter 3

1Tamin'ny taogna faha dimy ambin'ny folo nanjakan'i Tiberie Kaisara- bola i Pontio Pilato no goverinoran'i Jodia, Heroda die mpanapaka tao Glilia, Filipo rahalahiny die mpanapaka tao amin'ny faritra Itoria sy Trakonitsy, ary Lysania die mpanapak'i Abilena, 2nandritra ny fisorognam-ben'i Aniasy sy Kaiafa - die avy tamin'ny Jaona janaka lahin'i Zakaria tagny agnefitra ny jakan'Andriamanitra.3Nenga tagny amin'ireo faritra magnodidigna an'ny Jordana Ijy, nitory ny batisan'ny fibebahana ho famelana ireo heloka.4Araka ny vôsoratra ao amin'ny bokin'ny jakan'ny Isaia mpaminagny hoe: ''Nisy feo raika nangaika mahare laha tagny angnefitra hoe: 'Atôvy vognona ny lalagnin'ny Tompo, atôvy mahitsy ny lalan-kadihanany.5Ny lohasaha manontolo ho totorana, ary ny tendrombohitra sy ny havôna hampidignina, ary ny lalagna miolakolaka die hamboarina mahitsy, ary ny toerana mikitoatoagna die hatao lalagna, 6ary ny nofo manontolo die hahita ny famonjen'Andriamanitra. '''7Ka die nijaka tamin'ireo vahôka ijay avy ho amboariny batisa i Jaona hoe: ''Anareo ry taranaky ny menaragna! Ija no nampitandrigna anareo ba hilefa ny fahavignirana ijay ho avy?8Noho ijany, mamokara voa mendriky ny fibebahana, ary aja manomboka mijaka ao agnatinareo hoe: Ahay managna an'i Abrahama ho iabanay,' fa mijaka anareo aho fa Andriamanitra die afaka managangna janaka ho an'i Abrahama avy amin'ireto vato ireto.9Amijao andré ny andrognana die mipetraka eo amin'ny fototry ny hazo. Koa ny hajo manotolo ijay tsy mamoa voa tsara die vôtapaka ary hatsipy agny amin'ny afo.''10Ary ireo vahôka die nagnotany anajy hatragny, nijaka hoe: ''Ino ary no namboariny?'' 11Namaly ijy ka nijaka tamin'ijy ireo hoe: ''Laha misy olo managna akanjo lava roa, tokony mijara anijany amin'olo raika ijay tsy managna ijy, ary ijay managna sakafo koa die tokony hagnano hôtran'ijany.''12Ireo mpamory hetra koa die avy ba hatao batisa, ary nijaka tamin'ajy hoe: mpampianatra o, ino no tsy mentsy hamboarinay?'' 13Ijy nijaka anajy ireo hoe: ''Aja manangogna vola mihôtra ijay nampangalaina anareo.''14Miaramila rahabe koa nagnantogna an'ajy,nijaka hoe: ''ahôna ny momba anay?'' Ijy nijaka tamin'ijy ireo hoe: ''Aja mangala vola amin'olo an-keriny, ary aja mitory vandy olo. Mifalia amin'ny karamanareo.''15Ary laha nandigny fatratra ny fieven'i Kristy ny vahôka, die nagnotany tao am-pony ny mahakasika an'i Jaona ny isan'olo, na mety ho ijy na tsijy no Kristy.16 Jaona namaly tamin'ny mijakana anajy manontolo ka nagnano hoe: ''Laha ny aminahy, die magnano batisa anareo amin'ny rano aho, fa misy olo raika hafa ho avy ijay mahery mihôtra anahy, ary tsy mendrika aho na die hamaha ireo fehin'ny kapany aja. Hagnano batisa anareo amin'ny Fagnahy masina sy ny afo Ijy.17Eo an-tagnany ny fikororohany ba hagnadiovana tsara ny vary hoagny amin'ny sompiny. Fa hirôny amin'ny afo tsy mety vonina ny akofa.''18Niaraka tamin'ny fagnanarana rahabe hafa mandy koa, Jaona nitory vôvao tsara hôn'ny vahôka. 19Heroda mpanapaka raha efa nanarina nohon'ny fanambadianana ny vadin'ny rahalahiny Herodiasy, sy nohon'ny raha ratsy hafa manontolo ijay namboariny,20 die ho fagnampin'ijany rehetr'ijany die nihidiny tagny amponja i Jaona.21Ary, laha efa vita batisa manontolo ny olo abiaby, die natao batisa koa i Jesôsy, 22ary laha bola nivavaka ijy, die nivoha ny lagnitra, ary ny Fagnahy Masigna nangala endrika ka nidigna teo aminajy tahaka ny voromahilala, ary nisy feo laha tagny andagnitra nagnano hoe: ''Anao no Janako, malalako. Faly aho nohon'ny aminao.''23Laha efa nanomboka ny asa fanompôny Jesôsy, die teo ho eo amin'ny telopolo taogna teo Ijy. Ijy no janaka lahin'i (araky ny fisegnana) Josefa, janak'i Hely, 24janak'i Matata, janak'i Levy, janak'i Melky, janak'i Janay, janak'i Josefa.25Josefa die janak'i Matitia, janak'i Amosa, janak'i Nahoma, janak'i Elsy, janak'i Nagay, janak'i Mata, 26janak'i Matatia, janak'i Semey, janak'i Joseka,janak'i Joda.27Joda die janak'i Joanana, janak'i Rase, janak'i Zerobabela, janak'i Sealtiela, janak'i Nery, 28janak'i Melky, janak'i Ady, janak'i Kosama, janak'i Elmadama, janak'i Era, 29janak'i Josoa, janak'i Eliezara, janak'i Joreima, janak'i Matata, janak'i Levy.30Levy die janak'i Simeona, janak'i Joda, janak'i Josefa, janak'i Jonama, janak'i Eliakima, 31janak'i Melea, janak'i Mena, janak'i Matata, janak'i Natana, janak'i Davida, 32janak'i Jese, janak'i Obeda, janak'i Boaza, janak'i Salmona, janak'i Nahasona.33Nahasona die janak'i Aminadaba, janak'i Adimina, janak'i Arny, janak'i Hezrona, janak'i Fazera, janak'i Joda, 34janak'i Jakoba, janak'i Isaka, janak'i Abrahama, janak'i Tera, janak'i Nahora, 35janak'i Seroga, janak'i Reo, janak'i Palega, janak'i Ebera, janak'i Sela.36Sela die janak'i Kenana, janak'i Arpaksada, janak'i Sema, janak'i Noa, janak'i Lameka, janak'i 37Metosela, janak'i Enoka, janak'i Jareda, janak'i Mahalalila, janak'i Kenana,38 janak'i Enosa, janak'i Seta, janak'i Adama, Janak'Andriamanitra.
Chapter 4

1Tafaran'ijany Jesôsy , laha feno ny Fanahy Masina, die niverigna avy tagne amin'ny reniranon'ny Jordana, ary nindôsin'ny Fanahy Masina tagne an'efitra 2ijay nangalan'ny devoly fanahy an'Aje nandritry ny efapolo andro. Tsy nihinagna n'ino n'ino Ijy nandritra ireo andro ireo, ary tamin'ny fotôgna farane die mosaregna Ijy.3Ny devoly nijaka tamin'Ajy hoe:" Laha janak'Andriamanitra Anao, die didio holasa mofo io vato io." 4Jesôsy namale an'aje hoe:" Vôsoratra hoe: ' Tsy ny mofo mandy no iveloman'ny olo."'5Avy eo nindôsin'ny devoly tegny amin'ny toerana agnambo Jesôsy ary natorone an'Aje vetivety aby koa ny fanjakana manontolon'ijao tontolo ijao. 6Ny devoly nijaka tamin'Aje hoe:" Homeko anao ny fahefana abiaby sy ny famirapiratany abiaby, satria efa nomena an'ahe ireo, ary afake omeko ny olo ijay tiako omena an'aje. 7Noho ijane, laha miankohoke sy manompo an'ahe anao, die ho lasano ijane."8Kanefa Jesôsy namale ka nijaka an'aje hoe:" Vôsoratra hoe:' Hidera ny Tompo Andriamanitrao anao, ary Ijy raike mande no ho tompoinao."'9Avy eo ny devoly die nitondra an'i Jesôsy tagny Jerosalema ary nataony tegny amin'ny fara-tampon'ny tempoly, ary nijaka tamin'Ajy hoe:" Laha janak'Andriamanitra Anao, die adabohy avy ety ny tegnanao. 10Satria efa vôsoratra hoe:" Hibeko ny anjeliny ny aminao Ijy, mba hiaro anao, 11ary areo hanadratra anao amin'ny tagnany, mba tsy ho tafitohan'ny vato ny tongotrao.'''12Namale an'aje, Jesôsy nijaka hoe:" Efa natoro hoe: " Aja mangala fagnahy ny Tompo Andriamanitrao."' 13Laha vita ny fangalan'ny devoly fagnahy an'i Jesôsy, die lasa ijy ary nandao an'Ajy ambara-pahatongan'ny fotôgna hafa.14Avy eo Jesôsy nimpody tagny Galilia tamin'ny herin'ny Fanahy, ary ny vaovao momba an'Aje die efa niely nagnerana ny faritre manodidigna abiaby. 15Die nanomboke nampianatre tao amin'ny Synagogan-dreo Ijy ary noderain'ny abiaby.16Nandeha tagny Nazareta Ijy, ilay tanana nahalehibe an'Ajy ary arake ny fomba fanaony, die niditre tao amin'ny Synagoga tamin'ny andro Sabata Ijy ka nitsangana mba hamaky teny mahare. 17Natolotra an'ajy ny horognan-taratasin'Isaia mpaminany. Nosokafany ilay boky ary hitany ny toerana nanoratana an'ajy.18Ny Fanahin'ny tompo die ato amin'ahe satria Ijy nagnosotre an'ahy hilaja vaovao mahafaly ho an'ny mahantra. Ijy no nandefa an'ahe hagnambara fahafahana ho an'ireo babo, ary hamerigna ny fahitana ho an'ny fe, hagnafake ireo ijay ampahoriana,19 hagnambara ny taom-pankasitrahan'Andriamanitra."20Avy eo die nahorogne ny taratasy, naverigne tagny amin'ny mpitandrina, ary nidoboke ijy. Ny mason'ireo abiaby tao amin'ny Synagoga die nijere an'Aje.21 Nanomboke nivoria tamin-dreo Ijy hoe:" Niany ity Soratra Masina ity die tanterake eo am-pandregnesanareo." 22Ny manontolo tao die nilaja tsara ny momba an'Aje ary jendagna tamin'ny tenim-pahasoavana ijay navoakan'ny vavany areo ary nagnotane areo hoe:" Fa tsy ilay janak'i Josefa ve itoy?23Ijy nijaka tamin-dreo hoe:'' Ajo antoka fa hilaja itoy ohabolana itoy amin'Ahe anareo hoe: Dokotera, sitragno ny tegnanao. N'ino n'ino regninay fa nataonao tao Kapernaomy, die manôva hôtran'Ijany agny amin'ny taninao." 24Nefa nijaka Ijy hoe:" Jakaioko marina aminareo, tsy misy mpaminany vôray ao amin'ny taniny25Kanefa jakaiko marina aminareo fa rahabe ny viavy mpitondra-tegna tagny Israely tamin'ny andron'i Elia, laha nimpegna ny lanitre nandritre ny telo taogna sy enim-bolagna, ary nisy mosary lehibe tonga teo amin'ny tany abiaby. 26Nefa Elia tsy nalefa na tamin'iraike tamin-dreo aja , fa tao Zerapata any Sidona mandy, tagny amin'ny mpitondra tegna ijay nipetraka tagny. 27Fa rahabe ireo boka tao Israely tamin'ny andron'i Elisa mpaminany, nefa tsy nisy na die raike tamin-dreo aja sitragna afa-tsy Namàna ilay Syriana."28Ny olo manontolo tao amin'ny Synagoga die teniky ny havignirana laha naharegne ireo raha ireo. 29Nitsangagna areo, nanery an'Ajy hiala ny tanàna, ary nandefa an'Ajy tegny tampon'ny tendrombohitra ijay nioregnan'ny tanànan-dreo, mba handambohana an'Aje amin'ny haragna. 30Nefa nandeha namakivaky teo agnivon-dreo Ijy die lasa nandeha tagny amin'ny toeran-kafa.31Avy eo Ijy dia nijotso tagny Kapernaomy, tanàna raike agny Galilia, ary nanomboke nampianatre an-dreo tamin'ny Sabata Ijy,32 jedangna tamin'ny fampianarana namboariny areo, satria nijaka tamin'ny fahefana Ijy.33Ary tao amin'ny Synagoga die nisy lelahy ijay nidobohan'ny fagnahy maloton'ny demonia, ary ijy die nihiakiake tamin'ny feo mahare hoe:" 34Ah! Ino no ifandraisanay aminao, ry Jesôsy avy agny Nazareta? Avy mba hamotika anay ve anao? Fantatro hoe ija Anao- ilay Raike Masin'Andriamanitra!"35Jesôsy nijaka mahare ilay demony, ka nagnano hoe:" Aja mijaka ary mialà ao amin'ajy!" Laha nanipy ilay lelahy ho lavo teo agnivon-dreo ny demony, die niala tao amin'ajy, ary tsy nandratra an'ajy akory.36 Jedangna aby ny olo abiaby, ary nanohy nivoria momba ijany. Nijaka areo hoe:" Fa jaka hôtran'ny akore re ijane?" Bekoiny amin'ny fahefana sy hery ny fagnahy maloto die mivôke.'' 37Noho ijany die nanomboka niparitaka nagnerana ny faritra maodidigna ny lazany.38Die nandao ny synagoga Jesôsy ary niditre tao an-dragnon'i Simona. Ary nampijalian'ny tajo mahery ny rafojam-bavin'i Simona, ary niangavy taminy ho an'ajy areo. 39Ka nijoro teo alohany Ijy nijaka mahare ny tajo, die niala tamin'ajy ijany. Avy hatragny ijy die nitsangagna ary nanomboke nanompo an'ajy areo.40Laha nilentika ny masoandro, die nitondra ny olo abiaby mararin'ny aretigna rahabe samihafa teo amin'ny Jesôsy ny olo. Nametra-tanana tamin'ny kiraidraike avy amin-dreo Ijy ka nanasitragna an-dreo. 41Ireo demony mandy koa die niala tao amin'ny maro tamin-dreo, nihiakiake mahare sy nijaka hoe:" Anao no janak'Andriamanitra!" Jesosy nijaka mahare ireo demonia ka tsy namela an-dreo hijaka, satria fanta-dreo fa Ijy no Kristy.42Vao mangiran-dratsy, die nandeha tagny amin'ny toerana mangingina Ijy. Vahôke rahabe no nitady an' Ajy ary nenga egne amin'ny toerana ijay nisy an'Ajy. Areo die niejake ny nitajogna an'Ajy mba tsy hiala eo amin-dreo. 43Fa Ijy nijaka tamin-dreo hoe:" Tsy mentsy mitory ny vaovao mahafaly momba ny fanjakan'Andriamanitra amin'ny tanàna maro hafa mandy koa Iaho, satria ijany no antony nagnirahana an'Ahy tetoy. 44Avy eo Ijy die nanohy nitory tao amin'ireo synagoga magnerana an'i Jodia.
Chapter 5

1Ary ijao no nitranga, raha nitangorogna nagnodidigna an'i Jesôsy reo olo die niheno ny tenin'Andriamanitra, die nitsangana teo amoron'ny farihin'i Genesareta Ijy.2 Nahita sambokely roe nijanogna teo amoron'ny farihy Ijy. Efa nivôke tao reo mpindingo die nanasa ny haratone.3 Niditre tao amin'ny raike tamin'reo sambokely Jesôsy, ijay an'i Simona, die nangatake anajy mba hatondra ijany egny amin'ny rano lavidavitre ny ambositre. Avy eo die nitoboke Ijy ka nampianatre reo olo tegny ivelan'ny sambokely.4Laha nijanogna nijaka Ijy, die nijaka tamin'i Simona Ijy hoe: ''Indôjy ho agny amin'ny rano laligna kokoa ny sambokely die alatsaho ny haratonareo mba hajahoanareo laokandrano.''5 Simona namaly Anajy ka nijaka hoe: ''Tompo o, efa niasa hatramin'ny lahale tontolo ahay, fa tsy nahajo na ino na ino, fa nohon'ny jakanao, die halatsako ny harato.'' 6Rehefa namboarindreo ijany, die nahajo laokandrano rahabe andreo, die rovitre ny haraton-dreo.7 Koa nagnano fihetsika tamin-dreo akamane ijay tao agnatin'ny sambokely raike hafa areo fa andreo fa tokone ho avy die hagnampy andreo. Die tonga andreo ka nameno ny sambokely roe, ka die nanomboke nilentike areo.8Fa Simona Petera, raha vô nahita ijany, die nenkohoke teo an-tongotr'i Jesôsy nijaka hoe: '' Menga aminahy, fa lelahy mpanota iaho.'' 9Fa jendagna ijy, sy areo abiaby jay niarake taminaje, nohon'ny hamarojanan'ny laokandrano ijay ajon-dreo.10 Tao agnatin'ijany Jakoba sy Jaona janak'i Zebedio, ijay mpiara miasa amin,i Simona. Jesôsy nijaka tamin'i Simona hoe: ''Aja mangoiaigna, fa manomboke ijao die hagnarato olo anao.''11 Rehefa nihoentin-dreo tegny ambositre ny sambokelin-dreo die nagnabela raha abaiby andreo ka nagnarake Anaje.12Die nitranga ijao raha mbola tao amin'ny raike tamin'ireo tanàna IJy, die nisy lelahy feno habokana teo. Nony nahita an'i Jesôsy ijy, die nenkohoke teo Aminajy die nitalaho taminajy, nagnano hoe: ''Tompo, raha mety anao, die afaka magnadio anahy.''13 Ary die nagnapatre ny tanagne Jesôsy die nitsamo anajy, nijaka hoe: ''Mety iaho. Madiova'' Teo no heo die afake taminajy ny habokana.14Nirarane ijy mba tsy hijaka amin'ija na amin'ija, fa nijakaine taminaje hoe: '' Jory ny lalagnao, miboaha amin'ny mpisorona die magnomeja sorogna ho an'ny fahadiovana anao, araka ijay nandidian'i Mosesy, mba ho fijorôna vavolombelogna amin-dreo. ''15Feny ny tatitra momba Anajy die niele lavitre kokoa aja , die fokon'olo rahabe no niara-tonga mba hiheno Anaje nampianatre die mba ho afake amin' ny aretigna andreo.16 Feny manjana Ijy die nenga nandeha agne amin'ny tany fôgna die nivavake.17Die tamin'ny andro raike tamin'ireo andro nampianarane, die nisy Fariseo sy mpampiana-dalàna nipetraka teo ijay avy amin'ny tanàna samihafa ao amin'ny faritra Galilia sy Jodia, ary mandy koa avy ao amin'ny tanànan'i Jerosalema. Ny herin'ny Tompo no tao aminajy mba hagnasitragna.18Die nisy lelahy saragne avy, nitondra lelahy raike ijay vôn'ny farasisa teo amin'ny fandrena, die ijy reo die nandrembe fomba hitondrana anajy ao agnatine mba hametrahana anajy ho eo anatrehan'i Jesôsy.19 Tsy nahita fomba hitondrana anajy tao agnatine andreo noho reo fokon'olo, noho ijany die nandeha agny atafon-tragno andreo die nampidigna ny fandrenan'ny lelahy avy eo an-tafotragno, tamin'ny fandrene, teo ampovôn'olo, teo anatrehan'i Jesôsy.20Raha nahita ny finôn-dreo, die hoy Jesôsy hoe: ''Ralelahy, vôvela ny helokao.''21 Nanomboke nagnotany ny mpanora-dalàna sy reo Fariseo, ka nijaka hoe: ''Ija moa ty ijay mijaka ratsy ty? Ija no afake mamela ny fahotana hafa-tsy Andriamanitra rerike mandy?''22Fa Jesôsy, nahafantatre jay nieritreritin-dreo, namaly die nijaka andreo hoe: ''Nagnino anareo no magnidigna ijany ao am-ponareo?23 Ino no mora jakiana kokoa: 'Vôvela ny helokao' sa ny mijaka hoe: 'Mitsangana die madihana?' 24Nefa mba hahafantaranareo fa ny Janak'Olo die manam-pahefana hamela heloke eto an-tany die jakaiko aminao, mitsanàgna, indôjy ny fandrenanao die mandihana agny an-dragnonao.''25Tselatsela teo die nitsangagna teo anatrehan-dreo ijy die nangala ny fandrene ijay natoriane. Avy eo die nenga nandeha an-dragnone ijy, nagnome voninahitre an'Andriamainitre. 26Jendagna ny manontolo die nagnome voninahitre an'Andriamanitre andreo. Feno fangoaignana andreo, nijaka hoe: ''Nahita raha-mahajendagna antsena adroany.''27Tafaran'ny nitrangan'ireo rahareo die nenga teo i Jesôsy ka nahita mpamory hetra raike jay angehina hoe Levy nipetrake teo amin'ny tragno lain'ny mpamory hetra. Nijaka taminajy Ijy hoe: ''Magnaraha Anahy.''28 Die nitsangana i Levy ka nagnarake Anajy, ka nagnabela ny raha-manontolo.29Die nagnano fagnasana angejabe tao an-dragnone ho an'i Jesôsy i Levy. Rahabe areo mpamory hetra sy ny olo hafa jay nitoboke teo amin'ny latabatre die nihinagna niarake tamin-dreo.30 Kanefa ny Fariseo sy ny mpanora-dalàna die nitaraigna tamin-reo mpianagne, nijaka hoe: ''Nagnino anao no mihinagna sy minogna miarake amin'reo mpamory hetra sy ny olo mpanota hafa?''31 Namaly andreo Jesôsy hoe: ''Tsy mila dokotera ny olo salama; fa ny marary mandy. 32Tsy avy hagnantso ny olo-marina ho amin'ny fibebahana Iaho, fa hagnantso ny mpanota ho amin'ny fibebahana.''33Die hoy andreo taminajy hoe: ''Reo mpianatr'i Jaona die majana mifady hanigna sy mivavake, die ny mpianatr'ireo Fariseo die magnano hôtran'ijay koa. Fany ny mpianatrao die mihinagna sy minogna.''34 Jesôsy nijaka andreo hoe: ''Moa ve misy olo mahavita mapifady hanigna ny havan'ny mpampiakatre raha hôtra ka mbola mipetrake eo amin-dreo ny mpampiakatra? 35Fa ho avy ny andro jay hangalana ny mpampiakatre eo amin-dreo, die amin'ijany andro ijany die hifady hanina areo.''36Die nagnano fagnoharana tamin-dreo Jesôsy. ''Tsy misy olo mandrovitre tapa-damba avy amin'ny lamba vao die mamapiasa ijany mba hagnamboarana ny lamba hambo. Raha magnano ijany ijy, die hametrake ny lamba vao, die ny tapa-damba avy amin'ny lamba vao die tsy hifagnarake amin'ny lamba hambo.37Tsy misy olo magnisy divay ao agnatin'ny siny hoditre hambo. Raha magnano ijany ijy, die handrovitre ny hoditre ny divay vao, ary die ho vere ny divay, die hivetrake ny siny hoditre.38 Fa ny divay vao die tsy mentsy atao agnatin'ny siny hoditre vao.39 Tsy misy olo avy nignona ny divay taloha ka hagniry ny vao, fa hoy ijy hoe: 'Ny taloha no tsara.'''
Chapter 6

1Ary tamin'ny Sabata die nandeha nenga agny an-kose Jesôsy ary ireo mpianatre nangala tovom-bary, nikosoka an'ijany tamin'ny tagnan-dreo ary nihinagna ny vôny.2 Fa ny saragne tamin-dreo Fariseo koja nijaka hoe:" Nahôna anareo no magnano raha tsy ara-dalagna ny magnano ajy amin'ny andro Sabata?"3Namaly an-dreo, Jesôsy nijaka hoe:" Mbola tsy novakianareo akory ve ijay namboarin'i Davida laha te hihinagna ijy, ijy sy ireo lelahy ijay niaraka tamin'aje? 4Nandeha nenga ao an-tranon'Andriamanitra ijy, ary nandray ny mofon'ny fanatrehagna sy nihinagna ny ampahany tamin'ijany, ary nomeny ampahany koa ny lelahy ijay niaraka tamin'ajy mba hihinagna, na die ny mpisorona mandy aja no araky ny lalana laha mihinagna an'ijany.'' 5Avy eo Ijy nijaka tamin-dreo hoe:" Ny Zanak'olo die Tompon'ny Sabata."6Ary tamin'ny Sabata hafa die nandeha tao amin'ny synagoga Ijy die nampianatre ny vahôke tao. Nisy lelahy raike maty tagnana havanana tao. 7Nijaha akeky an'Ajy tsara areo mpanora-dalana sy areo fariseo mba hahita laha hagnasitragna olo amin'ny Sabata Ijy, mba ahafahan-dreo mahita antony hitoriana an'Aje. 8Kanefa fantane ijay tao an-tsain-dreo ary nijaka tamin'ilay lelahy maty tagnana Ijy hoe:" Mitsangana, ary mandihana eto agnivon'y olo abiaby eto." die Nitsangagna ilay lelahy ary nitsagagna teo.9Jesôsy nijaka tamin-dreo hoe:" Magnadigna anareo iaho, ara-dalagna amin'ny Sabata ve ny fanôvana ny tsara sa ny fanôvana ny ratsy, ny magnavotra aigna sa ny mamotika an'aje?" 10Ary nijaha ny magnodidigna ajy abiaby Ijy ka nijaka tamin'ilay lelahy hoe:" Amparo ny tagnanao." Nagnano ijany ijy, ary sitragna ny tagnany. 11Nefa feno havignirana areo ary nivoria ijay mety ho hamboarin-dreo amin'ny Jesôsy.12Tamin'ijany andro ijany die nandeha nenga agny an-tete Ijy mba hivavake. Notohijane nandritre ny aligna tontolo ny fivavahana tamin'Andriamanitra. 13Laha avy ny andro, nagnatso ny mpianay ho eo amin'Ajy Ijy, ary nifidy roa ambin'ny folo tamin-dreo Ijy, ijay nangehane mandy koa hoe Apostoly.14Ny agnaran'ireo Apostoly ireo die Simôna(Ijy ijay antsoina mandy koa hoe Petera) ary ny rahalahine Andrea, Jakôba, Jaona, Filipo, Bartelemeo, 15Matio, Tomasy, Jakôba janaka lahin'i Alfeo, Simôna ijay antsoina hoe Zelota, 16Jodasy janak'i Jakôba, ary Jodasy Iskariota, ijay lasa mpamadike.17Avy eo Jesôsy nijotso ny tete niarake tamin-dreo die nitsangagna tamin'ny tany marigna niaraka tamin'ny mpianane rahabe sy vahôke rahabe avy agny Jodia sy Jerosalema ary ny sisin-tanin'ny Tyro sy Sidona. 18Avy areo mba hiteno an'Aje ary mba ho sitragnina amin'ny aretin-dreo areo. Sitragna mandy koa ny vahôke ijay korontanin'ny fagnahy maloto. 19Ny olo abiaby tamin'ireo vahôke die niejaka ny hikasike an'Aje fehijay satria nivôke avy tamin'Aje ny hery magnasitragna, ary sitragne ijy abiaby20Die nijaha ny mpianane Ijy, ary nijaka hoe:"Sambatre anareo ijay misotry, fa anareo ny fanjakan'Andriamanitra. 21Sambatre anareo ijay te hihinagna ankehitrigny, fa ho voky anareo. Sambatre anareo ijay mitagne ankehitrigny, fa hihehe anareo22Sambatre anareo laha halan'olo ary laha ahili-dreo sy haratsian-dreo anareo, nohon'ny amin'ny Janak'olo.23 Mifalia amin'ijany andro ijany ary mibitaha an-kafaliana, satria ajo antoka fa hahajo valisoa lehibe agny an-danitre anareo, fa mitovy amin'ijany no nitondran'ny rajagnareo an'ireo mpaminany24Fa loja ho anareo ijay manan-karegna, fa efa ajonareo ijay mahafa-po anareo. 25Loja ho anareo ijay voky ankehitrigny, fa mbola ho te hihinagna anareo afara agne. Loja ho anareo ijay mihehe ankehitrigny, fa hisaogna sy hitagne anareo afara agne26Loja ho anareo, laha milaja tsara momba anareo ny olo abiaby, fa mitovy amin'ijany ny namboaran'ny rajagnareo tamin'ireo mpamimany sandoka27Fa mijaka aminareo ijay miteno Aho, tiavo ny fahavalonareo ary manôva ny tsara amin'ijay mankahala anareo. 28Tahio ijay magnojona anareo ary mivavaha ho an'ireo ijay magnano tsinontsinogna anareo29Laha misy mamelaka ny fifinao raike die omeo an'ajy koa ny ilane. Laha misy olo mangala ny sikignao, aja mitajogna na die ny akanjonao koa aja. 30Omeo ijay abiaby mangataka aminao. Laha misy olo mangala ny raha ijay anao, aja mangataka ny hameregnany ijany aminao.31Hôtran'ijay tianao hataon'ny olo aminao, die tokony hataonao amin-dreo koa ijany. 32Laha ijay olo tia anao mandy no tiavinao, ino ny soa ho ajonao amin'ijany? Fa na ny mpanota aja mba tia an'ijay tia an'ajy koa. 33Laha amin'ijay olo magnano soa nao mandy anao no magnano soa, ino no soa ho ajonao amin'ijany? Fa na ny mpanota aja die magnano hôtran'jany. 34Laha tsy mampindragna afa-tsy amin'ijay olo diasana hamerigna ijany aminao mandy anao, ino no soa ho ajonao amin'ijany? Fa ny mpanota aja mampindragna ny mpanota, mba hajahoana hôtran'ijany koa35Fa tiavo ny fahavalonareo ary manôva ny tsara ho an-dreo. Mampindrama ka aja miandre valiny ary lehibe ny valisoanareo ary ho janaky ny Avo indrindra anareo, fa Ijy tegnany die tsara fagnahy amin'ijay tsy misaotra sy ny olo ratsy fagnahy.36 Managna famindram-po, hôtrin'ny Rainareo mpamindra fo37Aja mitsara, ary tsy ho tsaraina anareo. Aja magnameloka, ary tsy ho melohina anareo. Mamela ny hafa, ary ho avela anareo38Magnomeja, die omena anareo ijany. Fahafoijana be_ijay atafotafo, miara-voahontsagna ary mitobake_ no hararake eo am-pofônao. Araka ny fagnarananareo, no agnaranana anareo hôtran'ijany koa."39Avy eo Ijy nagnano fagnoharana tamin-dreo koa."Moa ve ny olo jamba afake mitarike olo jamba hafa? Laha magnano an'ijany ijy, die mety hilatsake agny an-kady ijy roa, sa vande?40 Ny mpianatre raike die tsy lehibe noho ny mpampianane, fa ijay abiaby nahatanterake ny fiofagnana die hitovy amin'ny mpampianane41Fa nahôna anao no mijaha ny sombin-kajo bitike ijay ao agnatin'ny mason'ny rahalahinao, kanefa tsy mahatsikaritra ny vatan-kajo ao agnaty masonao? 42Ahôna no ijakanao ny rahalahinao hoe:' Ry rahalahe, mamela an'ahe hangala ny sombin-kajo eo amin'ny masonao eo io,' laha tsy hitanao akore ny vatan-kajo eo amin'ny masonao? Ry mpihatsaravelatsihy! Alay eo amin'ny masonao aloha ny vatan-kajo, avy eo die hahita tsara anao ka afake hangala ny sombin-kajo eo amin'ny mason'ny rahalahinao43Fa tsy misy hajo tsara hamokatre Vôniny lo, na hoe hajo lo hamokatre vôniny tsara. 44Fa ny hajo kiraidraike die fantatre amin'ny karajam-bôniny ijay vokarine. Fa tsy afake hambely aviavy amin'ny tsilo ny olo, na hangala vôloboka amin'ny hajona vôndroy45Ny olo tsara mamokatre ijay tsara avy amin'ny harena soan'ny fony, ary ny olo ratsy mamokatre ijay ratsy avy amin'ny haren-dratsin'ny fony. Fa ijay alôky ny fony no jakain'ny vavane46Fa magnino anareo no magnatso an'Ahe hoe: 'Tompo, Tompo, ' kanefa anareo tsy magnatanterake an' ijay raha jakaiko? 47Ny olo abiaby magnatogna an'Ahe sy maharegne ny jakako ary magnantanterake ijane, die ho jakaiko anareo hoe hôtriny ino ijy. 48Hôtrin'ny olo ijay nanangan-tragno ijy, ijay nandavake laligna teo amin'ny tany ary nagnorigna ny fototry ny trano teo ambony vatolampy. Laha avy ny ranobe, die nandriake nanohitre ijany trano ijany ny ranobe, fa tsy mampiotsogna an'aje, satria tsara origna ijy49Ary ijay olo maharegne ny jakako nefa tsy magnantanterake ijany, die mitovy amin'ny olo ijay nagnorina tragno teo ambonin'ny tany ka tsy nagnisy fototre. Laha nandriake namely io tragno io ny ranobe, dia nirodagna avy hatragne ijany, ary rava tanterake ijany trano ijany."
Chapter 7laha efa nahavita nijaka ny raha manontolo teo agnatrehan'ny vahôka i Jesôsy, die niditra tao Kapernaomy Ijy

2Ary nisy kapiteny raika nanagna mpanompo ijay tena najainy, ary narary sy efa nariny ho maty ijy. 3Laha efa naharegny ny mahakasika an'i Jesôsy ilay Kapiteny, die nagnirake loholon'ny Jiosy ho agny Anajy ijy, hiengavy Anajy ba hoavy ary hagnafagna ny mpanompony. 4Ary laha efa avy teo amin'ny Jesôsy ijy ireo, die nangataka mafy tamin'Ajy, nijaka hoe: "Magneva ny hagnamboaranao anijany hônajy ijy, 5satria tieny ny firenenanay, ary ijy ilay nqgnambôtra ny Synagoga hônay."6Ka die nanohy ny lalagny niaraka tamin'ijy ireo i Jesôsy. Fa laha bola tsy lavitra ny tragno ijy, die nandefa akama ilay kapiteny nijaka taminajy hoe: "Tompo o, aja manahiran-tegna Anao, satria tsy magneva hidiranao ao ambany tafotragnoko aho. 7Noho ijany die tsy nisaigna ny tegnako hagneva ho eo aminao aho, fa mijaka jaka raika mandy die hahafaka ny mpanompoko.8 Ka satria iaho koa die lelahy ijay ambany voninahitra, managna miaramila ijay ambaniko koa. Hoy aho amin'itoy raika itoy hoe: 'Mandihana,' die nenga ijy, ary amin'ny raika hafa: 'Avis,' die tamy ijy, ary amin'ny mpanompoko hoe:' Atôvy itoy,' ary die amboariny ijany."9Laha efa naharegny anijany i Jesôsy, die gaga taminajy Ijy, ary niherika tamin'ny vahôka nagnaraka Anajy ka nijaka hoe: "Lajaiko aminareo, fa na die tagny Israely aja tsy nahitako finôna tahaka anijao." 10Laha nipody tagny andragno ireo ijay nirahina, die nahita fa salama tsara ilay mpanompo.11Tafarakelin'ijay, die nenga tamin'ny tanàna atao hoe Naina i Jesôsy, ary niaraka tamin'Ajy ireo mpianatrany sy ireo vahôka rahabe. 12Laha nariny ny vavahadin'ny tanàna Ijy, die nisy lelahy raika efa maty nindao nivôka, janaka lahy tokagnin'ny iendriny (ijay mpitodrategna), ary vahôka rahabe avy ao amin'ny tanàna no niaraka taminajy. 13Laha nahita anajy ny Tompo, die nalahelo tanteraka anajy ka nagnano taminajy hoe: "Aja mitomany." 14Aviteo die niakatra Ijy ary nitsamo ilay vata ijay nitondran'ijy ireo ny rajagna, ary nijanogna ireo nitondra an'ijany. Hoy Ijy hoe: Ry tovolahy, ho Aho aminao, mieregna." 15Die niarigna ilay maty ka nanomboka nijaka, ary Jesôsy nagnome anajy teo amin'i Endriny.16Nandresy anajy manontolo ny tahotra, ka nanohy nankalaja an'Andriamanitra hatragny ijy ireo, nijaka hoe: "Mpaminagny lehibe no natsangagna eto amintsena" ary "Andriamanitra nitsinjo ny olony." 17Itoy vôvao momban'i Jesôsy itoy die niparitaka nagneragna an'i Jodia sy ireo faritra magnodidigna manontolo.18Ireo mpianatr'i Jaona nijaka tamin'Ajy ny momban'ireo raha ireo. 19Die nangaika rolahiteo tamin'ireo mpianatrany Jaona ba hijaka hoe: "Anao ve ilay ho avy, sa tokony bola hijaha hafa ahay?" 20Ary laha efa nagnantogna mariny an'i Jesôsy ijy ireo, die hoy ireo lelahy hoe: "Jaona mpagnano batisa no nagniraka anay hôtoy Amino hagnotany hoe: 'Anao ve ilay ho avy, sa tokony bola hijaha hafa ahay?"'21Ary tamin'ijany fotôgna ijany die nampahafaka olo rahabe tamin'ny aretigna s'y fahorena ary fangirefirena avy amin'ireo fagnahy ratsy Ijy, ary olo jamba rahabe no nampahitainy. 22Jesôsy namaly ka nijaka tamin'ijy ireo hoe: "Laha efa avy nenga tamin'ny lalagnareo anareo, tatero amin'iJaona ijay hitanareo sy regninareo. Nahita ny jamba, nandeha ny malemy, ireo nadio ny boka, naharegny ny maregnina, nitsagan-kovelogna ny maty, ary nitorena ny filanjantsara ny olo agnatin'ny tsy fahampena. 23Sambatra ny olo ijay tsy miegnina ny mino Anahy nohon'ny amboariko."24Ary laha nenga ireo irak'i Jaona, die nanomboka nijaka tamin'ny vahôka Jesôsy ny momban'ny Jaona hoe: Hijaha ino no nivoahanareo tagny agnefitra? Volotara nihojongojognon'ny rivotra ve? 25Fa hijaha ino no nivoahanareo tagny? lelahy mekanjo tsara ve? Jahay, ireo ijay mekanjo akanjo lafo vidy sy ireo miaigna ao amin'ny fiegnana tsara die ao amin'ny lapan'ny mpajanka. 26Fa hijaha ino no nivoahanareo tagny? Mpaminagny ve? Eny, hoy Aho aminareo, ary mihôtra lavitra nohon'ny mpaminagny.27Ijy no ilay vôsoratra hoe: 'Indro, ampandihaniko meloha anao ny mpitondra hafatro, ijay hagnomagna ny lalagnao meloha anao'. 28Lajaiko aminareo, fa aminareo ijay natera-behivavy die tsy misy lehibe mihôtra an'i Jaona. Nefa ilay bitika indrindra ao amin'ny fanjakan'Andriamanitra die lehibe mihôtra Anajy."29(Laha efa naharegny anijany ny olo manontolo, agnisan'ijany ireo mpamory hetra, die nagnambara fa marina Andriamanitra, satria namboarina batisa tamin'ny batisan'i Jaona ijy ireo. 30Fa ireo Fariseo sy ireo mpahay lalàna Jiosy koja nandà ny tanjogn'Andriamanitra ho an'ny tegnan'ijy ireo, satria tsy namboarin'i Jaona batisa.)31Amin'ino, ary, no hahafahako mampitaha ny olo amin'itoy taranaka itoy? Hôtran'ino moa ijy ireo? 32Tahaka ny jaja mihira egny antsena ijy ireo, ijay mitoboka sy mifangaika ary mijaka hoe: 'Nitsioka ansodigna hônareo ahay, die tsy nandihy anareo. Nagnano hira fisôgnana hônareo ahay die tsy nitomagny anareo.'33Fa Jaona mpagnano batisa avy tsy nihinagna mofo ary tsy ninogna divay, die hoy anareo hoe: 'Misy demonia ijy.' 34Ny Janak'olo avy nihinagna sy ninogna, die hoy anareo hoe: 'Jereo fa tendan-kanina sy mpinogna Ijy, akaman'ireo mpamory hetra sy mpanota!" 35Fa ny fahendrena die vômarina amin'ny janagny manotolo."36Ary ny raika tamin'ireo Fariseo nanasa an'i Jesôsy hihinagna niaraka taminajy. Koa laha efa avy niditra tao andragnon'ilay Fariseo Jesôsy, die nitoboka hihinagnagna teo amin'ny latabatra. 37Indro, nisy viavy tao an-tanàna ijay mpanota. Ary laha efa nahatsikaritra ijy fa nitoboka teo amin'ny latabatra tao andragnon'ilay Fariseo Ijy, die nitondra tavoara alabastara feno menaka magnitra ijy. 38Ary laha nitsangagna tafarany mariny ny hongony teo ijy, die nitomagny, ka nanomboka nandegna ny hongony tamin'ny ranomasony, ka die nifafany tamin'ny volon-dohany ireo sady nagnoroka ny hongony ary nagnosotra ireo tamin'ny menaka magnitra.39Laha efa nahita anijany ilay Fariseo nanasa an'i Jesôsy, die nisaisaigna, nijaka hoe: "Laha mpaminagny ito lelahy ito, die tokony ho fantany hoe karajam-biavy manao akory io mitsamo Anajy io, fa mpagnota io." 40Jesôsy namaly ka nijaka hoe: "Simona, misy raha hijakaiko aminao. " Hoy ijy hoe: "Lajao ijany, Mpampianatra ô!"41Jesôsy nijaka hoe: "Nisy mpampindram-bola nanagna mpitrosa rôlahy. Ny raika die tokony handoa diman-jato denaria, ny raika dimam-polo. 42Laha efa tsy afaka nagnefa ijany tamin'ijy ireo, die samy navelany ijy rôlahy. Noho ijany, ija amin'ijy rôlahy no ho tia Anajy kokoa? 43Simona namaly Anajy ka nijaka hoe: " Heveriko fa ilay namoejany be." Die hoy Jesôsy taminajy hoe: Marina ny fitsaranao".44Ary Jesôsy niherika tagny amin'ilay viavy ka nijaka tamin'i Simona hoe: "Hitanao io viavy io. Niditra tato andragnonao Aho. Tsy nagnome rano hanasana ny hongotro anao, fa ijy nahakotsa ny hongotro tamin'ny ranomasony ary namafa ajy ireo tamin'ny volon-dohany. 45Tsy nagnoroka anahy anao, fa hatamijay nidirako tato die tsy nijanogna nagnoroka ny hongotro ijy.46Tsy nihosoranao diloilo ny lohako, fa ijy nagnosotra ny hongotro tamin'ny menaka magnitra. 47Noho ijany die mijaka aminao Aho fa, ireo fahotany, ijay rahabe, die vôvela satria ijy be fitiavana. Fa ijay navela kely, die tia kely."48Die hoy Ijy taminajy hoe: "vôvela ireo fahotanao." 49Ireo niaraka nitoboka nihinagna teo die nanomboka nifampivoria teo amindreo ireo hoe: "Ija moa Itoy ni die mamela heloka?" 50Aviteo hoy Jesôsy tamin-draviavy hoe: "ny finônao nous nahavonjy anao. Mandihana ampedanana."
Chapter 8

1Ary tafara kelin'ijany die nanomboke nandeha nitety tanàna sy vohitre samihafa Jesôsy, nitory sy nagnambara ny filajantsara mahakasike ny fanjakan'Andriamanitre. Niarake taminy ireo olo roa ambin'ny folo lahy,2 hôtran'ireo viavy saragne jay afake tamin'ny fagnahy ratsy sy ny aretigna: Maria ijay nantsovana ho Magdalena, ijay efa namoahana demonia fito;3 Johana,vadin'i Koza, ijay mpintan-draharahan'i Heroda, ary Sosana; sy ireo maro hafa koa, ijay, tamin'ny fagnan'andreo, die nagnome ijay nilain'ndreo.4Laha bona nisy vahôke maro nivory, die tonga nagnatogna Anajy ireo olo avy tamin'ny isan-tanàna, Die nanao fagnoharana ijy hoe:5 "Nisy mpamboly nivôke mba hamafy voany. Laha ijy namafy igne, die vôfafy tegny amoron-dalagna ny saragny ary die vôdiadia ijany, ary lanin'ny voron'ny lagnitre. 6Ny saragne koja vôfafy tegny amin'ny vatolampe, ka laha vô nitsimoke, die nalajo ijany, satria tsy nisy hamandôna.7Ary ny saragny die voafafy teo amin'ny tsilo, ary ny tsilo niara-naniry tamin'ny voa ka nange ijany. 8Ny sasagny vôfafy tegny amin'ny tany lonake la namoa vokatre ijay tsara lavitra avo jato heny. "Tafaran'i Jesosy nijaka ireo raha ireo, die nangaika mahare Ijy hoe: "Ijay managna tadigny hitenôna, ôka ijy hiteno."9Nagnotany Anajy ny mpianatrany ny amin'ny tien'ijany fagnoharana ijany hilajaina. 10Hoy ijy hoe: "Ny fahalalana ny raha mivon'ny fanjakan'Andriamanitra die namena anareo, fa hôn'ny hafa die mijaka amin'ny fagnoharana Iaho, ba tsy hahita areo na die mahita aja, ary tsy hahafantatre na die maharegny aja."11Ary ijao no dikan'ilay fagnoharana: ny voa die ny jakan'Andriamanitra.12 Ireo vôfafy tegny amin'ny sisin-dalagna die ireo ijay maharegny, fa aviteo die ajon'ny devoly ka mangala ilay jaka tao am-pone, ba tsy hino sy ho vôvonjy areo. 13Ary ireo tamin'ny vatolampy koja die ireo ijay, rehetra maharegny ny jaka, die mandray anijany amin-kafalena. Nefa tsy misy vahany ireo; vetivety mandy ny finôndreo ireo, ary amin'ny fotôgna fitsapana die lavo areo.14Ireo voa vôfafy tamin'ny fantsy die ireo olo maharegny ny jaka, fa laha efa mandeha @lalagny ijy ireo, die vôgejan'ny fitebetebena sy ny harena ary ny fahafinaretan'ijao fiegnana ijao, ka tsy matoy ny vôny. 15 Fa ny voa vôfafy tamin'ny tany tsara, die areo no, miteno ny jaka tamin'ny fo marina sy tsara, ary areo ireo mitagna anajy ary namokatra amim-paharetana.16Ary, tsisy olo, laha efa nandrehitra jiro, die manarogna anajy amin'ny sarogne na mametraka anijany ao ambany fandrena. Fa koja, mametraka anajy eo amin'ny fanaovana jiro, ba ho hitan'ny olo manontolo ijay miditra ny hajavana. 17Satria tsisy takogna ijay tsy hampahafantarina, na raha mivony ijay tsy ho fantatra are hiseho eo amin'ny hajavana. 18Ka mitenoa tsara, ijay managna, die bona hamena rahabe,fa hôn'ijay tsy managna koja, na ijay heverine hanagnane aja die halaina aminaje"19Laha avy teo i endrine sy ny rahalahine nagnantogna Anajy, nefa tsy afake nagnakeky Anaje nohon'ny vahôke.20 Nisy nijaka tamin'aje hoe:" I endrinao amin'ny rahalahinao die mitsangagna ao ivelane, te hahita anao".21 Fa Jesôsy namale sy nijaka tamin-ndreo hoe:" I endriko sy ny rahalahiko d'ireo ijay maharegne ny jakan'Andriamanitre sy mambôtra an'ijane".22Ary indraika andro die nandeha an-sambo kely Ijy niarake tamin'ireo mpianane, sady ijy nijaka tamin-dreo hoe:" Andao atsena hoegne agnilan'ny farihy". Die nenga areo.23 Fa raha nandeha igne areo die resi-tory Jesôsy. Are nisy tafio-drivotre avy teo amin'ny farihy, ka dibo-drano ny sambo kely, ka die nitandindonin-doja areo.24Avy teo die nandeha teo aminaje die namoha anaje ireo mpianatr'i Jesôsy, nijaka hoe:" Tompo ô! Tompo ô! Ho mate atsena!" Are die nifoha ijy ka nijaka mahare ny rivotre amin'ny rano manonja, are niegnina areo, ka nisy fitonena teo.25 Ary nijaka tamin-dreo ijy hoe:" Aja ny finônareo?" Are natahotre mafy areo. Are natahotra sady gaga mandy koa areo, are nifampagnotane hoe:" Ija moa ilay io, no mandidy ny rivotre sy ny rano aja, are magneke Anaje areo?"26Areo die nahajo ny faritr'i Gerasena, ijay tandrifin'ny farihin'ny Galilea. 27Ary laha efa niakatre handeha egny an-tety Jesôsy, die tojo lelahy raike avy tao an-tanàna ijay nisy devoly. Ary efa ela ijy no tsy niekanjo, ary tsy nipetrake tao andragno fa tegny amin'ny fasagna.28Laha efa nahita an'i Jesôsy ijy, die nihieka mafy sy niankohoke teo alohane ka nijaka tamin'ny feo mafy hoe: "Ino no erasanao aminahe, ry Jesôsy, janak'Andriamanitra Aho iaho, aja mampijaly anahy." Fa Jesôsy nandidy ny fagnahy maloto hiala tao aminy lelahy. 29Fa efa nandritry ny fotôgna maro no nangeja anajy ijany, ka na die nifihejine tamin'ny rojo sy gadra vy ary nambenana aja ijy, die nipotehine ireo rojone ary nindaon'ny demonia tagny agnefitre ijy.30Jesôsy nagnotany anajy hoe: "Ija no agnaranao? Ary hoy ijy hoe: " fa be ny demonia ijay efa niditra tao aminaje.31 Ijy ireo nengavy Anajy hatragny mba tsy handefa anajy ho agny amin'ny lavaka tsy hita loholo.32Ary nisy andian-kisoa be nihinagna teo akekin'ny tendrombohitre. Ka nengavy Anajy ny demonia ba hamela andreo ho ao amin'ireo, ka namela anajy Ijy.33 Koa nivôka tao amin'ilay lelahy ireo demonia ary nifindra tao amin'ireo kisoa, ary nitratrevatreva tagny amin'ny hatsagna nandeha ao amin'ny farihy ireo andian-kisoa ka mate.34Ary nohon'ny nahita ny raha nitranga ny mpiambigna ny kisoa, die nihajakajake ka nijaka ijany tao an-tanàna sy tagny an-tsaha.35 Noho ijany die nivôke ny mponigna tao an-tanàna mba hijery ny raha nitranga, ary nagnatogna an'i Jesôsy areo ka nahita ilay lelahy ijay nivoahan'ny demonia. Ary ijy nipetraka teo an-tongotr'i Jesôsy, nitafe ary tonga saigna; ary raiki-tahotre areo.36Avy teo areo ijay nahita ijany nilaja andreo ny fomba nahasitragna ilay lelahy nanjakan'ny demonia. 37Ary ny vahôke rehetra teo amin'ny faritanin'i Gerasena die nangataka an'i Jesôsy ba hiala eo amin'dreo, satria diso natahotre lôtre areo. Noho ijany die nandeha an-sambo kely Ijy ba ahafahan'dreo miverigna.38Ilay lelahy nivoahan'ny demonia die nengavy taminaje ba hamela anajy handeha hiaraka aminaje, fa Jesôsy nandefa anajy, nijaka hoe:39 "Miveregna agny an-dragnonao ka magnomeja tatitre feno momba ijay nataon'Andriamanitre taminao." Ary ilay lelahy nandeha tamin'ny lalagne, die nagnambara maneragna ny tanagna manontolo ijay nataon'i Jesôsy taminaje.40Ary laha efa nipody Jesôsy, die nandray anajy ny vahôke, fa areo die efa niandry Anajy.41 Kay, nisy lelahy raike atao hoe Jairo, ijay raike tamin'ireo mpitarike tao amin'ny Synagoga, nagnatogna sy nenkohoke teo an-tongotr'i Jesôsy, ka nengavy anajy ba ho agny an-dragnone, 42satria ny janagne viavy tokagna, ijay jajaviavy teo amin'ny colo taogna teo ho eo, die eo ambavahôgnan'ny fahafatesana. Laha nandeha tamin'ny lalagne Jesôsy, die niarake nifaneritere nagnodidigna Anajy ny vahôka maro be.lol43Ary nisy viavy raike teo ijay efa nandeha rà nandritry ny rômbifolo taogna ary efa nandany ny volany manontolo, [Fagnamarihana: Ireo manam-pahejana die nijarajara hevitra raha tokony ampidirina eto ny fehezanteny hoe: Nandany ny volany manontolo (ijy) ] ary tsisy nahafake anajy n'ija n'ija.44 Ary ijy die nandeha teo afaran'i Jesôsy ka nikasika ny rambon-dambane, tonga die nijanogna ny ràne.45Jesôsy nijaka hoe: "Ija ilay nikasika Anahy teo?" Laha efa nandà ny manontolo, die hoy Petera hoe: "Tompo, magnodidigna Anao aby ny vahôka manontolo ary manere Anao." 46Fa Jesôsy nijaka hoe:" Nisy nikasika Iaho, satria fantako fa nisy hery nenga avy tato aminahe."47Laha efa hitan'ilay viavy fa tsy takogna ijy, die nangorohoro ijy ary nenkohoky taminaje. Nijakainy tamason'olo ny antony nikasihany Anajy, sy ny fomba tonga die nampahafake anaje.48 Ary Ijy nijaka taminaje hoe: "Ry janaka viave, ny finônao no nampahafaka anao. Mandihana am-pedagnana."49Avy eo laha bola nijaka ijy, die nisy olo raika avy amin'ny tragnon'ny mpitarika synagoga, nagnano hoe: "Maty ny janakao vave. Aja manahiragna ny mpampianatre koa." 50Fa laha efa naharegne ijany Jesôsy, die namaly an'i Jairo Ijy hoe: "Aja matahotre; minoa fotsiny mandy, die ho afak'ijy."51Laha efa niditra tao andragno Ijy, die tsy nagnabela olo na die raika aja hiaraka hiditra aminajy afa tsy i Petera sy Jaona sy Jakoba, sy iaban'ilay jaja sy ny iendriny.52 Ary ny manontolo die nisôgna sy nitomagny anajy,53 Fa ijy nijaka hoe: "Aja mitomagny; tsy maty ijy fa matory." Die nihejandreo Ijy, satria fantatra fa maty ilay jaja viave.54Fa niresiny tamin'ny tagnany ijy ka nangaika maharé, nijaka hoe: "Anaka, mitsangàna!" 55Ary nipody ny fagnahiny, ka niarigna avy hatragny ijy. Ary nibeko andreo ireo Ijy ba hagnome hanina ho anajy. 56Ary jendagna ny Ray aman-dreny, fa Ijy koja nandrara anajy ireo ba tsy hijaka na amin'ija na amin'ija ny raha ijay niseho.
Chapter 9

1Nangaika ireo roa ambin'ny folo lahy Ijy ary nagnome anajy ireo ny hery sy fahefana amin'ireo domonia manontolo ary hagnasitragna ireo aretigna. 2Nalefany ijy ireo hitory ny fanjakan'Andriamanitra sy hagnasitragna ny marary.3Hoy Ijy tami'ijy ireo Ijy hoe: ''Aja mitondra na ino na ino amin'ny dienareo - tsy misy tehigna, tsy misy kitapom-batsy, tsy misy mofo, tsy misy vola, ary tsy misy akanjo fagnampiny. 4Ijay tragno idiranareo die mijanogna ao mandram-pelanareo.5Na aja na aja tsy handresan'ijy ireo anareo, laha efa mandao an'ijany tanàna ijany anareo, die ahitsagno hiala amin'ny hongotrareo ny vovoka ba ho fijorôna vavolombelogna hanoherana anajy ireo.'' 6Avy teo die nenga ijy ireo ary namakivaky ireo tanàna , nitory ny filajan-tsara sy nagnasitragna tegny rehetra tegny.7Ary regnin'i Eroda mpanapaka aby ireo ijay nitranga manontolo, ary die very hevitra ijy, satria vôlajan'ny sasagny fa Jaona mpagnano batisa die nitsangagna tamin'ny maty, 8ary vôlaja fa niseho Elia, ary ny saragny koja nilaja fa ny raika tamin'i reo mpaminagny taloha no nitsangagna tamin'ny maty. 9Hoy Eroda hoe: '' Iaho no nanapa-doha an'i Jaona, ka ija koa ijany olo andrignesako raha hôtran'ijany?'' Ary niejaka ny hahita Anajy ijy.10Laha efa nimpody ireo apostoly, die nitantara taminajy ireo raha manontolo vitan'ijy ireo. Avy teo nindao niaraka tamin'ajy ijy ireo, ary nenga nitokagna hômin'ny tanàna atao hoe Betsaida.11 Fa vantany naharegny ny mahakasika anijany ireo vahôka, die nagnaraka Anajy. Die niresin'ijy ireo ary nilajainy anajy ireo ny momban'ny fanjakan'Andriamanitra, ary nagnasitragna ireo ijay nila fagnasitragnana Ijy.12Ary laha efa ho hariva ny andro, die nagnantogna an'ajy ireo roa ambin'ny folo ka nijaka hoe: ''Alifaso henga ireo vahôka ba hahafahan'ijy ireo menga agny amin'ny tanàna magnodidigna sy ambanivolo ba hahita fatorena sy rahanina, satria atoy amin'ny tany fôgna antsena.'' 13Fa hoy ijy tamin'ijy ireo hoe: ''Amenareo raha hohanina ijy ireo.'' Ary nijaka areo hoe: ''Tsy managna mihôtran'ny mofo dimy sy hajandrano rolahiteo ahay, laha tsy hoe menga ahay ary mividy raha hanina hôn'ireo olo manontolo ireo.'' 14(Teo die nisy lelahy tokotokony ho dimy arivo teo ho eo) Ary nilaja tamin'ireo mpianany Ijy hoe: ''Ampitobohy ho vondrogna dimampolo isanisany ijy ireo.''15Ka die nagnano an'ijany ijy ireo, ary nampitoboka ireo vahôka. 16Nandramby ireo mofo dimy sy hajandrano rolahiteo, die nendrandra ny lagnitra Ijy, nisaotra ireo ary nijarajarainy, ka die nameny ireo mpianatra ijany ba hatolotra an'ireo vahôka. 17Nihinagna ijy manontolo ka tempo, ary navory ireo ambiny tsy nany, ka nisy potipotigne roa ambin'ny folo tanty.18Ary laha efa nivavaka manokagna Jesôsy, die niaraka tamin'Ajy ireo mpianatra. Die nagnotany anajy ireo Ijy, nagnano hoe: ''Ataon'ireo vahôka ho ija moa aho?''. 19Namaly ijy ireo hoe: ''Jaona mpagnano batisa. Fa ireo saragny nilaja hoe Elia, ary ireo saragny nilaja fa nitsangagna tamin'ny maty ny raika tamin'ireo mpaminagny taloha.''20Ary nijaka tamin-dreo Ijy hoe: ''Fa ataonao ho ija moa Aho?'' Namaly petera hoe: ''Ilay Kristy Andriamanitra.'' 21Fa nirarany mafy ijy ireo tsy hilaja an'ijany na amin'ija na amin'ija, 22nagnano hoe: ''Ny janak'olo die tsy mentsy hijaly amin'ny raha maro ary ho lavin'ireo loholona sy ireo lohan'ny mpisorogna ary ireo mpanoratra lalàna, hivonina Ijy ary amin'ny andro fahatelo die hatsangagna''23Ary hoy Ijy tamin'ijy manontolo hoe: ''laha misy te-hagnaraka anahy, die tsy mentsy mandà ny tegnany ijy ary mitondra ny hajo fijaleny isan'andro ary magnaraka Anahy. 24Na ija na ija te-hagnavotra ny aigny die hagnary ijany, fa na ija na ija magnary ny aigny nohon'ny fitiavana Anahy, die hagnavotra anijany. 25Ino no tsara ajon'olo amin'ny lanagnana an'ijao totolo ijao, ka anefa magnary na magnapotika ny aigny?26Fa na ija na ija megnatra ny aminahy sy ireo jakako, die ho megnatra anajy koa ny janak'olo laha efa avy amin'ny voninahiny, sy ny voninahitry ny Ray sy ireo anjely masigna Ijy.27 Fa lajaiko marina aminareo, fa ny saragny amin'ireo ijay mitsangagna eto die tsy hahita fahafatesana melohan'ny ahitany ny fanjakan'Andriamanitra.''28Ary valo andro teo ho eo tafaran'ny nilajan'i Jesôsy ireo jaka ireo, die nidôsiny niaraka taminajy i Petera sy Jaona ary Jakoba ka niakatra ny tendrombohitra hivavaka.29 Laha nivavaka igny Ijy, die niova ny endriky ny tarehiny, ary niova fotsy mamirapiratra ny akanjony.30Ka nisy rôlahy nijaka tamin'ajy, Mosesy sy Elisa, 31ijay niseho tamim-boninahitra mamirapiratra. Niresaka mahakasika ny felany Ijy, ijay nindany ho tanterahina agny Jerosalema.32Ary Petera sy ireo ijay niaraka taminajy die navesatry ny torimaso, fa laha tena taitra tanteraka ijy ireo, die nahita ny voninahiny sy ireo lelahy rôlahy ijay nitsangagna niaraka tamin'ajy. 33Ary laha efa niala nagnalavitra an'i Jesôsy ijy ireo, die hoy Petera tamin'ajy hoe: Tompo, tsara amintsena no mijanogna eto. Abilay ahay hambôtra felofana telo, raika hônao, raika hôn'ny Mosesy, ary ny raika hôn'i Elia.'' (Tsy fantany ijay nijakainy.)34Teo ampijakany an'ijany ijy, die nisy rahogna avy nanarogna anajy ireo, ka die natahotra ijy ireo laha efa niditra tao amin'ilay rahogna. 35Nisy feo nivôka lahatagny amin'ny rahogna, nagnano hoe: ''Itoy ny Janaka Lahiko, ilay Iray ijay vôfidy; tenoy Ijy.''36 Laha efa nijaka ilay feo, die Jesôsy raika mandy no hita teo. Nitajogna ny fahanginany ijy ireo ary tsy nijaka tamin'ija na ija tamin'ijany andro ijany ny momba ijay rehatra hitan'ijy ireo.37Ary ny andro magnaraka an'io, laha efa nidigna avy agny an-tendrombohitra ijy ireo, die vahôka rahabe nifakatojo taminajy. 38Ka nisy lehilahy raika avy tao amin'ny vahôka nihiekeka maharé, nagnano hoe: ''Ry mpapianatra o, mengavy aminao aho ba hijaha an'itoy janako lahy itoy, fa janako tokagna ijy. 39Hitanao, misy fagnahy mibeko anajy die mihieka tampoka ijy; mampifanintogna anajy ijany ka mampamôka rôtra ny vavany. Tsy miala aminajy ijany ary mahatorovana tanteraka anajy. 40Niengavy tamin'ireo mpianatrao aho ba hangala anijany, fa tsy afak'ijy ireo.''41Namaly Jesôsy ka nagnano hoe: ''Anareo tsy mpino sy taranaka ratsy fitondran-tegna, hafirena no tsy mentsy hitobohako miaraka aminareo sy heretako miaraka aminareo? Indôsy etoy ny janakao lelahy.'' 42Laha efa nagnantogna le jaja lahy, die natsipin'ny demonia tamin'ny tany ijy ary nampihinjitsinjitra anajy. Fa Jesôsy nijaka maharé le fagnahy maloto ary nagnasitragna le jaja lahy, ary namerigna anajy tagny amin'ny iabany.43Ary avy teo die talanjogna aby ijy manontolo nahita ny halehiben'Andriamanitra. Laha jendagna tamin'ny java-drehetra namboariny igny ijy ireo, die hoy Ijy tamin'ny mpianany hoe: 44''Abilao ito jaka ito ho lasa laligna ao an-sofignareo: ny Janak'olo die ho vadihana ho eo antagnan'olo.'' 45Fa tsy ajon'ijy ireo ijany fagnambarany ijany. Ijany die nasitrika tamin'ijy ireo, noho ijany die tsy ajon'ijy ireo ny dikan'ijany, ary bola natahotra ijy ireo ny hagnotany ny momba ijany fagnambarana ijany.46Ary avy teo die nisy fifampizizôna nanomboka teo amin'ijy ireo ny amin'ijay ho lehibe indrindra amin'ajy ireo. 47Fa Jesôsy, nahalala ny fihevitra tagny am-pon'ijy ireo, die nangala jaja kely raika ka napetragny teo agnilany 48ary nijaka tamin'ijy ireo hoe: ''Fa na ija mandray anitoy jaja itoy amin'ny agnarako, die mandray Anahy; ary na ija na ija mandray Anahy, die mandray an'i Ray ijay nagniraka Anahy. Fa ijay kely indrindra aminareo manontolo no lehibe.''49Jaona namaly hoe: ''Tompo o, nahita olo raika ahay nangala demonia tamin'ny agnaranao, die nisakananay ijy, satria ijy tsy ba magnara-dia miaraka aminay.'' 50Aja rarana ijy, hoy Jesôsy, ''satria je tsy manohitra anareo die momba anareo.''51Laha efa nihanariny ny andro ampiakarana Anajy, die niatrika ho agny Jerosalema Ijy. 52Nandefa mpitondra hafatra ijy heloha Anajy, ary nenga ijy ireo ka niditra tao amin'ny tanàna Samaritana raika ba hagnomagna ny raha manontolo hôn'Ajy. 53Fa ny vahôka tao tsy nandray Anajy, satria nitodika ho agny Jerosalema Ijy.54Laha efa nahita an'ijany Jakoba sy Jaona mpianatra, die hoy ijy ireo hoe: ''Tompoko, tienao ve ahay laha handefa afo milatsaka avy lahatagny andagnitra ba hamotika anajy ireo?'' 55Fa niherika Ijy ary nijaka maheré tamin'ijy ireo, 56ary lasa tagny amin'ny tanàna hafa ijy ireo.57Ary laha efa nenga tegny andalagna ijy ireo, die nisy olo raika nagnano tamin'ajy hoe: ''Hagnaraka Anao aho na aja na aja handihananao.'' 58Jesôsy nijaka taminajy hoe: ''Ny amboahôlo manan-davaka, ary ireo vorogna egny andagnitra die managna ny songony, fa ny janak'olo tsy managna toerana hasena ny lohany.''59Ary hoy Ijy tamin'ny hafa hoe: ''Magnaraha Anahy.'' Fa hoy Ijy hoe: ''Tompoko, abilay aho aloha henga handevignan'ny iabako.'' 60Fa hoy Ijy taminajy hoe: ''Abilay ny maty handevigna ny maty ao aminajy. Fa hônao, mandihana ka mitoria agny alavitra agny ary itaro ny fanjakan'Andriamanitra.''61Ary nisy olo hafa nagnano hoe: ''Hagnaraka Anao aho, Tompo, fa abilay aho aloha hagnano veloma ireo agny an-dragnoko.'' 62Jesôsy namaly anajy hoe: ''Tsy misy olo mitagna angady ary mitodika ka magneva ho ao amin'ny fanjakan'Andriamanitra.''
Chapter 10

1Ary tafaran'iregne raha iregne, die nifidy fitopolo lahy [Fagnamarihana: Rahabe amin'ireo fandikana taloha tsara indrindra no mivaky hoe:" Fitopolo", Fa ny saragne mivaky hoe:" roa ambi-fitopolo." ] hafa ny Tompo, ary nandefa an'aje iregne kiroadroa nialoha an'Ajy tagny amin'ny tanàna abiaby sy toerana ijay efa handehanany. 2Hoy Ijy tamin-dreo hoe:" Be ny vokatra, fa vitsy ny mpiasa. Noho ijany hangataho ny tompon'ny vokatra mba handefa mpiasa mba ho egny amin'ny vokatra.3Mandehana amin'ny lalagnareo. Jereo, alefako hôtran'ny Janak'ondry eo afovoan'ny amboadia anareo. 4Aja mitondra fitoeram-bola, na fitoeran'entana, na kapa, ary aja miarahaba n'ija n'ija egny an-dalagna.5Ijay tragno hidiranareo, lajao aloha hoe :'' Fiadagnana anie ho amin'itoy tragno itoy! 6Laha misy olon'ny fiadagnana ao, die hitoetra amin'ajy ny fiadagnana ijay lajainareo, fa laha tsy misy koja, die himpody aminareo ijany. 7Midoboha ao amin'io tragno io mandy, mihinana sy minoma ijay omen-dreo, fa ny mpiasa die mendrika ny karamany. Aja mifindrafindra tragno8Fa amin'ijay tanàna idiranareo, ka mandray anareo, hano ijay aroso eo alohanareo, 9ary sitragno ny marary ijay ao. Lajao areo hoe:" Efa magneke anareo ny fanjakan'Andriamanitra."10Na ovena na ovena anareo no miditre tanàna ka tsy mandray anareo areo, die mivoaha egne an-dalana ary lajao hoe:"11 Fa na die ny vovoky ny tanànareo ijay mirekitre amin'ny tongotray aja die ho fafanay hanohitra anareo! fantaro anefa ijao: Efa magnakeke ny fanjakan'Andriamanitra."12 Lajaiko aminareo fa amin'ny andron'ny fitsarana die ho ajo leferina loholoho ny an'i Sodoma noho ny amin'ijany tanàna ijany.13Loja ho anareo ry Korazina! Loja ho anao ry Betsaida! Fa laha ny asa lehibe ijay natao tao aminao no natao Tany Tyro sy Sidona, die efa ela areo no nibebake, nidoboke tamin'ny lamba fisaognana sy lakevogna. 14Fa ajo leferina loloholoho ny an'i Tyro sy Sidona amin'ny fitsarana noho ny aminareo. 15Anao ry Kapernaomy, mieritreritre ve anao fa ho hasandratre any an-danitra? Tsiare, hindôsina mijotso agny amin'ny Hadesy anao.16Ijay miteno anareo die miteno an'Ahe, ary ijay mandà anareo mandà an'Ahe, ary ijay mandà an'Ahe die mandà ijay nagnirake an'Ahe."17Niverigna am-pifaliana ireo fito-olo, ka nilaja hoe:'' Tompo, na die ny demonia aja die nagneke anay tamin'ny agnaranao."18 Jesôsy nijaka tamin-dreo hoe:" Nijaha an'i Satana nilatsaka avy agny an-danitra hôtrin'ny helatre Iaho." 19Jahao, fa efa nomeko anareo ny fahefana hagnitsake ny menaragna, ny hala, ary ambonin'ny hery abiabin'ny fahavalo, ary n'ino n' ino die tsy hisy handratra anareo amin'ny fomba abiaby. 20Na die ijany aja die aja mifaly fotsiny amin'ijane, hoe nagneke anareo ny fagnahy, fa mifalia loholoho hoe vôsoratre agny an-danitre ny agnaranareo."21Tamin'io fotôgna'io mandy die nifaly tokôtre tao amin'ny Fanahy Masina ijy, ary nijaka hoe:" Midera ano aho, ry Ray, Tompon'ny lanitra sy ny tany, fa efa navoninao iregne raha iregne tamin'ny hendre sy ny manan-tsaigna, ary nambara tamin'ireo tsy manam-pahalalana, hôtrin'ny jaja bitike. Eke, Raiko, fa ijany no ankasitrahana tsara eo imasonao."22Ny raha abiaby die nankinin'ny Ray tamin'Ahe, ary tsy misy mahalala hoe ija ny Janake afa tsy ny Ray, ary tsy misy mahalala hoe ija ny Ray afa-tsy ny Janake sy ijay nosafidian'ny Janake haseho an'Aje."23Avy eo die nihodigna teo amin'ny mpianatra Ijy ka nilaja mangingigna hoe:" Sambatra ijay mahita ireo raha ijay hitanareo.24 Lajaiko aminareo, mpaminany sy mpanjaka rahabe no nagniry hahita ijay raha hitanareo, fa tsy hitan-dreo ijany, ary haharegne ireo raha regninareo fa tsy regnin-dreo ijane."25Indro, nisy mpampianatre ny lalàn'ny Jiosy raike nitsangagna mba hitsapa an'Aje, ka nilaja hoe:" Mpampianatra ô, ino no tsy mentsy hataoko mba handova ny faignana mandrakijay? 26Jesôsy nijaka tamin'ajy hoe: Ino no vôsoratre ao amin'ny lalàna? Ahôna no famakianao an'ijane? 27Nagnome valinteny ijy die nijaka hoe:" Tiavo ny Tompo Andriamanitrao amin'y fonao manontolo, amin'ny fagnahinao manontolo, ary amin'ny fisaignanao manontolo, ary ny akamanao hôtrin'ny tegnanao." 28Jesôsy nijaka tamin'ajy hoe:" Marina ny navalinao. Atôvy ijany die ho velogna anao.''29Fa ilay mpampianatre, nagniry hagnamarina ny tegnany, die nijaka tamin'ny Jesôsy hoe:" Ija no akamako? 30Namaly an'aje Jesôsy nijaka hoe: '' Nisy lelahy raike nijotso avy agny Jerosalema ho agny Jerikô. Ijy die ajon'ireo mpandroba, ijay nagnedake ireo fanagnane abiaby tegne amin'aje, sy nandraboke an'aje, ary namela an'aje ho faty.31Ary sendra nisy mpisorogna nandalo tamin'ijany lalana ijany, ary nony nahita an'aje ijy die nandeha tegne am-pita. 32Hôtran'ijany koa ny Levita raike, laha nadalo tamin'ilay toerana ka nahita an'aje, die nandeha tegne am-pita.33Fa ny Samaritana raike, laha nandeha tamin'ny nombane ijy die avy teo amin'ny nisy an'aje. Laha nahita an'aje ijy , die nitsetra an'aje. 34Die nagnatogna an'ajy ijy ka namatotre ny ferine, ary nadrarake menake sy divay tamin'ijany. Nampidebane ny bibiny ijy, ka nindôsiny tagne amin'ny tragnom-bahiny, ary nokarakarainy. 35Ny ampitso die nangala denaria roa ijy, ary nanolotre an'ijany tamin'ny mpampiantrano, ary nagnano hoe:" Karakarao ijy, ary na hoatrinona na hoatrinona laninao mihôtre, laha miverigna iaho, die ho efaiko.''36Ija amin'ijy telo ireo, araka ny eritreritrao, no akaman'ilay ajon'ny mpandroba?" 37Namaly ilay mpampianatra hoe:" ilay raike ijay naneho fiantrana an'aje." Jesôsy nijaka tamin'ajy hoe:" Mandehana ary manôva hôtran'ijany koa38Ary laha nandeha areo, die niditre tao amin'ny tanàna raike Ijy, ary nisy viavy raike antsoina hoe Marta nampandroso an'Ajy tao an-dragnony. 39Nanagna rahavavy atao hoe Maria ijy, ijay nidoboke teo an-tongotry ny Tompo ary naharegne ny jakany.40Fa Marta sahiragna be tamin'ny fikarakarana ny hanina ho aroso. Nenga eo amin'ny Jesôsy ijy, die nagnano hoe:" Tompo, tsy mampagnino Anao ve ny namelan'ny rahavaviko an'ahe hanompo irere? Koa jakay ijy mba hagnampy an'ahe." 41Fa namaly ny Tompo ka nagnano tamin'ajy hoe:" Marta, Marta, Magnahy amin'ny raha maro be anao ,42 kanefa raha raike mandy no tena ilaina. Maria die efa nifidy ijay tsara indrindra, ijay tsy ho alaina amin'ajy."
Chapter 11

1Die ijao no niseho laha nivavake tao amin'ny toerana raike Jesôsy, nisy raike tamin'ireo mpinatrane nijaka tamin'Aje hoe: "Tompo, mba ampenaro mivavaka ahay hôtran'ny nampenaran'i Jaona ireo mpianatrane."2Hoy Jesôsy tamin-dreo hoe: ''Laha mivavake anareo die manôva hoe: "Ray ô, ho hamasignina anie negnaranao. Ho avy anie ny fanjakanao.3Omeo anay ny haninay isan'adro.4 Abilao ny fahotanay, hôtran'ny nagnabilanay ijay meloka taminay. Aja mitondra anay ho agny amin'ny fakam-pagnahy.5Jesôsy nijaka tamin-dreo hoe: "Ija aminareo hanagna akama, ary hienga hômin'ajy agny amin'ny sasakaligna, ary hijaka amin'ajy hoe: 'Ry akama, mba ampitrosay mofo telo iaho,6 fa misy akamako raike vô avy lavitre, ka tsy managna n'ino n'ino homena an'ajy iaho.'7 Ary mety hamaly an'ajy ny raike ao an-dragno ka hijaka hoe: 'Aja manabataba an'ahe.' Efa mihidy ny varavaragna, ary janako, efa matory, miaraka amin'ahe. Tsy afaka ny hifoha hagnome mofo anao iaho.'8 Mijaka aminareo Iaho, fa na die mifoha ka hagnome mofo anareo aja ijy satria akamany anareo, die nohon'ny ejaka namboarinareo tsy misy hegnatre, die hifoha ijy ary hagnome anareo ny mofo abiaby ijay ilainareo.9Mbola mijaka aminareo koa iaho, Mangataha die homena anareo ijane; mandrombeja, die hahita anareo; dodogny, die hivohana anareo. 10Fa ny olo abiaby ijay mangatake die mahajo, ary ijay mandrembe die hahita; ary ijay olo mandòndogna, die hivohàna.11IJa aminareo raim-pianakavena ireo, laha mangataka trondro ny janakareo, die hagnome an'ajy bibilava fa tsy trondro? [Fagnamarihana: Ireo fandikana tsara indrindra misy vaki-teny fohike loholoho, ijay arahintsena eto. Ny fandikàna talohaka saragne die misy vaki-teny lavalava loholoho,ijay hita ao amin'ny Matio 7:9 mandy koa: "Raim-pianakavena ija aminareo, laha mangataka mofo ny janakareo, no hagnome an'ajy vato? Na trondro, die hagnome an'ajy bibilava?'']12 Na laha mangataka atody ijy, die homenareo maingoke ve ijy?13 Noho ijany, laha anareo ratsy fagnahy aja mahay magnome fagnomejana tsara hôn'ny janakareo, die hôtran'ny akory ny hakadirin'ny Fanahy Masina homen'iabanareo ijay agny an-dagnitra hôn'ireo ijay mangataka amin'aje?"14Ary Jesôsy nandrôke devoly môgna. Laha nienga ilay devoly, die nanjary nahay nijaka ilay lelahy môgna, ka jendagna ny fokon'olo.15 Fa ny olo saragne nijaka fa: "Amin'ny alalan'i Beljeboba, ijay lehiben'ny devoly, no androahane devoly."16Ny saragne nitsapa an'Ajy ary nandrembe famantarana avy agny an-dagnitre tamin'Aje.17 Nefa fantatr'i Jesôsy ijay tao an-tsain-dreo ka nijaka tamin-dreo IJy hoe: ''ireo fanjakana abiaby ijay misarasarake die ho rava, ary ny tragno ijay misarasarake die hirodagna."18Ka laha miady an-dragno ary Satana, akory no hampaharitra ny fanjakane? Fa hoy anareo hoe mandrôke devoly amin'ny alàlan'i Beljeboba Iaho.19 Fa laha mandrôka devoly amin'ny alàlan'i Beljeboba ary Iaho, amin'ny alàlan'ija koja no androahan'ny mpagnara-dia anareo an'aje? Noho ijane, die areo no hitsara anareo. 20Fa laha mandrôka ny devoly amin'ny alàlan'ny ratsan-tagnan'Andriamanitra Iaho, die avy aminareo ny fanjakan'Andriamanitra.21Laha ampy fitôvana tsara ny lelahy matanjaka raike miambigna ny tragnone, die vôambigna ny fanagnane, 22nefa koja laha matanjaka mihôtran'aje ny lelahy raike ka mandresy an'aje, die alain'ilay lelahy matanjaka moramora amin'ilay lelahy ny fediene, ary hangalarine ny fanagnan'ilay lelahy.23 Ijay tsy miaraka amin'Ahe die manohitra an'Ahe, ary ijay tsy mivory miaraka amin'Ahe die miparitake.24Laha miala amin'olo raike ny fagnahy ratsy, die menga ijy mamakivaky toerana tsy misy rano ary mandrembe fitsaharana. Ary laha tsy mahita, die hoy ijy hoe: "Handeha hipody amin'ny tragno misy an'ahy iaho."25 Laha tafapody, ijy die mahita ijany tragno ijany vôdio sy vôlamigna.26 Afaran'izay ijy die menga ary mangala fagnahy hafa ratsy loholoho tegnane miisa fito miaraka amin'aje ijy ary miditre mba honigna ao ijy abiaby. Ka ratsy loholoho noho ilay vôlohane ny fefaran'ijany olo ijane."27Ary laha nijaka ireo raha ireo ijy, die nisy viavy raike nijaka mahare tafovôn'ny fokon'olo ary nijaka tamin'ajy hoe: "Sambatre ny troke ijay niterahana anao sy ny nono ijay ninonônao."28 Fa hoy koja ijy hoe:" Sambatra loholoho aja, ireo ijay miheno ny tenin'Andriamanitra sy mitagna ijane."29Ary laha mbola niampy ny fokon'olo, die nanomboka nijaka jesôsy hoe:" Itoy taranaka itoy die ratsy. Miremby famantarana ijy, nefa tsy hisy famantarana atoro an'ajy afa tsy ny famantaran'i Jona. 30Fa hôtran'ny nahatonga an'i Jona ho famantarana tamin'ireo Ninivita, hôtr'ijany koa die ho famantarana ny Janak'Olo amin'itoy taranaka itoy.31Ny mpanjaka viavin'ny Atsimo die hitsangagna amin'ny fitsarana miaraka amin'ireo lelahy amin'itoy taranaka itoy ka hagnameloke an-dreo, fa tonga lahatagny amin'ny faran'ny tany ijy mba hiheno ny fahendren'i Solomona, ary indro, eto ny olo makadiry mihôtran'i Solomona.32Ny lelahin'i Ninive die hiara-hitsangagna amin'itoy taranaka itoy amin'ny fitsarana ary hagnameloka an'ajy, satria niova fo tamin'ny nitorian'i Jona areo, ary indro, misy olo makadiry mihôtran'i Jona eto.33Tsy misy olo raike, laha avy namelogna Jiro, die mametraka ijany amin'ny toerana takogna na ao ambanin'ny tanty, fa apetrakane eo amin'ny fisy jiro, mba ho hitan'ijay miditra ny hajavàna. 34Ny masonao no jiron'ny vatagna. Laha tsara ny masonao, die feno hajavàna ny vatagna abiaby. Fa laha ratsy koja ny masonao, die feno hejigna ny vatagnao.35 Noho ijane, mitandrema anareo mba tsy ho mejigna ny hajavàna ao aminareo. 36Ary, laha feno hajavàna ary ny tegnanao abiaby, ka tsy misy ampahan'ijany ao agnaty hejigna, die hanjary hôtran'ny jiro ijay mampamiratre ny hajavàne eo aminao ny tegnanao manontolo.37Laha tapitra ny voriane, die nisy Fariseo nagnasa an'ajy hiara-hihinagna amin'aje agny an-dragnone, die niditra Jesôsy ka nitoboke.38 Jendagna ilay fariseo fa tsy nisasa alohake Jesôsy alohakan'ny hihinagna.39Fa hoy ny Tompo tamin'ajy hoe: "Amin'ijao andro ijao, Anareo Fariseo, die manasa ny ivelan'ny kôpy sy ny vilia, nefa ny ao agnatinareo die feno rombaka sy faharatsena." 40Anareo ry kely saigna! Tsy nambôtre ijay ao agnatiny mandy koa ve ijay nambôtre ny ivelagne? 41Omeo ny misotry ijay ao agnatine, die ho madio hônareo abikoa ny raha abiaby.42Fa loja hônareo ry Fariseo, satria magnome ny ampahafolon'ny solila sy ny rota ary ny hajo hafa egny an-karenana anareo, nefa tsy nivakinareo loha ny fahamarignana sy ny fitiavan'Andriamanitra. Ilaina ny mambôtra ny marina sy mitia an'Andriamanitra, no sady tsy magnadigno ny mambôtra ireo raha hafa mandy koa.43Loja hônareo ry Fariseo, fa tianareo ny fitobohana vôlohane egny amin'ny synagoga sy ny fagnontaniana feno fagnajàna anareo egny a-tsena.44 Loja hônareo, fa anareo die hôtran'ny kobory tsy misy famantarana ijay didian'olo fa tsy fantane ijane.45Ny raike tamin'ireo mpampianatra lalàna nijaka tamin'Ajy hoe: "Mpampianatra ô, ijany vorianinao ijany die mangala baraka anay koa." 46Jesôsy nijaka hoe: "Loja hônareo, ry mpanora-dalàna! Fa mampitondra enta-mavesatre tsy jakan'olo anareo, nefa tsy mikasika ijany enta-mavesatra ijany akory na die ny ratsan-tagnanareo raika aja.47Loja hônareo, satria nambôtra kobory hôn'ireo mpaminany anareo, nefa ny rajambenareo no namono an-dreo. 48Ka vavolombelogna sady nagneke ny asan'ny rajagnareo anareo, fa namono an-dreo tokôtre areo ka anareo no mambôtre ny koborine.49Noho ijany mandy koa, no nagnambaran'ny fahendren'Andriamanitra hoe: ''Handefa mpaminany sy apôstôly amin-dreo Iaho, ary areo hamono sy hagnenjika ny saragne amin-dreo." 50Itoy taranaka itoy, ijany, no ho tompon'andrekitre amin'ny ràn'ireo mpaminany abiaby trotrake hatramin'ny namorognana ijao tontolo ijao,51 nanomboka teo amin'ny ràn'i Abela ka hatramin'ny ràn'i Zakaria, ijay nivonina teo agnelagnelan'ny alitara sy ny fitoerana masina. Ieke, jakaiko marina aminareo, fa itoy taranaka itoy no ho tompon'antoke.52Loja hônareo ry mpampianatra lalàn'ny Jiosy, satria nalainareo ny lakilen'ny fahalalana; tsy miditra ao ny tegnanareo, ary sakananareo ireo ijay miditre.53Tafaran'ny nengan'i Jesôsy teo, die nanohitra an'Ajy ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo ary niady hevitra tamin'Ajy mahakasika ny raha maro, 54sady niejaka ny hamatotra an'Aje tamin'ny resagne mande.
Chapter 12

1Tamin'ijany, laha efa niaraka niangogna ny vahôka amandrivony rahabe, rahabe lôtra kay ka nifagnitsa-kitro ijy ireo, vôlohany indrindra die nanomboka nijaka tamin'ireo mpianatrany Ijy hoe: Tandremo ny masirasiran'ireo Fariseo, ijay fietsaram-belatsihy.2Fa tsy misy takogna ijay tsy hibôke, ary tsy misy mivony ijay tsy ho fantartra. 3Ka na ino na ino nijakainareo tao amin'ny hejigna die ho regny ao amin'ny fahajavana, ary inay nilajainareo teo an-sofigna tao agnaty efitragno die hilajaina egny an-tampon-tragno.4Milaja aminareo aho a nekamako, aja matahotra ireo jay mamono anareo, ary afaran'ijay die tsy misy ajony atao na ino na ino koa. 5Fa hampitandrigna anareo Aho ny amin'ijay hatahorana. Matahora an'le Ray, ijay raha efa avy namono, die managna fahefana ny hagnary anareo agny amin'ny helo. Eka, mijaka amin'areo aho matahotra Anajy.6Tsy amidy farantsa kely roa ve ny tsintsina dimy? Kanefa tsy misy raika amin'ireny ijay hadigno eo amason'Andriamanitra. 7Fa na ny volon-dohanareo andré die vôisa aby. Aja matahotra. Fa manan-danja mihôtran'ny tsintsigna rahabe anareo.8Hoy Aho aminareo, je rehetra magneky Anahy eo agnatrehan'ny olo, ny Janak'olo mandy koa die hagneky anajy eo agnatrehan'ireo anjelin'Andriamanitra, 9fa je mandà Anahy eo agnatrehan'ny olo, die ho lavina eo agnatrehan'ireo anjelin'Andriamanitra. 10Je rehetra mijaka manohitra ny Janak'olo, die habela aminajy ijany, fa je rehetra mijaka ratsy manohitra ny Fagnahy masina koja, die tsy ho vôvela ijany.11Laha efa mitondra anareo eo agnatrehan'ny synagoga, ireo mpanapaka, sy ireo manam-pahefana, ijy ireo, die aja magnahy ny amin'ijay ho fomba fijakanareo ho ferovan-tegnanareo, na ijay hijakainareo, 12satria ny Fagnahy masina no hampianatra anareo ijay tokony hijakainareo amin'ijany lera ijany.''13Avy teo nisy olo raika avy tao amin'ireo vahôka nijaka taminajy hoe: ''Ry mpampianatra, jakay ny rahalahiko ba hijara ny lova aminahy.'' 14Jesôsy nijaka taminajy hoe: ''Ralehilahy, ija no nagnano Anahy ho mpitsara na mpagnelagnelagna anareo?'' 15Hoy Ijy tamin'ijy ireo hoe: Membena ba hitananareo ny tegnanareo lavitry ireo fagnirian-dratsy manontolo, satria ny fiegnan'olo raika die tsy miankigna amin'ny fitobaky ny fanagnany.''16Avy teo Jesôsy nagnano fagnoharana raika tamin'ijy ireo, nagnano hoe: '' amokatrabe ny sahan'ny lelahy mpanakarena raika, 17ary nagnotany tegna ijy, nijaka hoe: 'Ino ny hamboariko, fa tsy managna toerana hagnatsarejana ireo vokatra aho?' 18Hoy ijy hoe: 'Ijao no hamboariko. Halavoko ireo tragno mpisy vokatro die hanangagna lehibe kokoa aho, ary amin'ireo no hagnangonako ny voako sy ireo vokatra hafa. 19Die hijaka amin'ny fagnahiko aho hoe: ''E fagnahy, anao die managna vokatra rahabe vôhatsary hômin'ny taogna rahabe. Mijanogna tsara, minomà, mifalia.'''20Fa Andriamanitra nijaka taminajy hoe: ''Ralelahy môla, niany aligna ny fagnahinao no halaina aminao, ka ireo raha ijay nomagninao, hôn'ija ireo?' 21Ijany ny olo ijay mamory harena hôn'ny tegnany ary tsy manan-karena agnatrehan'Andriamanitra.''22Jesôsy nijaka tamin'ireo mpianatrany hoe: ''Noho ijany die lajaiko aminareo, aja matahotra ny amin'ny aignareo, ijay ho haninareo, na ny momban'ny tegnanareo, je hekanjoinareo.23 Fa ny aigna die mihôtra nohon'ny rahanina, ary ny vatagna die mihôtra nohon'ny fitafena.24Saigno ny goaika, tsy mamafy ijy ireo na mambely. Tsy managna fitoeram-bokatra iny ireo na tragno fagnatsarejana, kanefa amen'Andriamanitra raha ho hanina ijy ireo. Hôtran'ny inona ny fihoaranareo lanja mihôtra noho ireo vorogna! 25Ija aminareo no afaka hagnampy hakiho raika ny andro iegnany amin'ny fanahiana? 26Ka laha ijany raha kely ijany aja tsy hainareo amboarina, nahôna anareo no miahiahy ny amin'ny sisa?.27Saigno ireo lilia, manao akory ny fanireny. Tsy miasa ijy ireo, na mamboly. Kanefa lajaiko aminareo, na Solomona tamin'ny voninahiny manontolo aja tsy nekanjo tahaka ny raika tamin'ijy ireo. 28Laha ampekajoin'Andriamanitra hôtran'ijany ireo ahitra egny an-saha, ijay eo niany, ary ny ampitso die ariena agnaty fatagna, hôtrany ahôna no hampekajôny anareo mihôtra lavitra noho ijany, anareo ry bitika finôna o!29Aja mandremby ijay ho haninareo sy ijay hinominareo, ary aja miahiahy. 30Fa ireo firenena manontolo eto amin'ijao tontolo ijao ireo die mandremby ireo raha ireo, ary fantatry ny Rainareo fa mila an'ireo anareo.31Fa rombejo ny fanjakany, die hamena ho fagnampiny hônareo ireo raha ireo. 32Aja matahotra, ry andian'ondry vitsy, satria ny Rainareo die tena faly ny hagnome anareo ny fanjakana.33Amidio ireo fanagnanareo ary ameo ny mahantra. Magnanôva fitoeram-bola hôn'ny tegnanareo ijay tsy mety ho tonta, harena agny andagnitra ijay tsy mety ho nany, ijay tsy misy mpangalatra magnariny, ary tsy misy kalalao manimba. 34Fa agny amin'ijay hitoeran'ny harenanareo, die ho agny mandy koa ny fonareo.35Ôka ny akanjolavanareo ho hasikignareo ny valahagnareo, ary ôka ny jironareo birehitra tsy tapaka, 36ary manôva tahaka ireo olo ijay mandigny ireo tompony hipody avy lahatagny amin'ny lagnonam-papiekaram-bady, ba laha efa avy ijy ka mandondogna, die afaka hamoha ny varangaragna hônajy avy hatragny ijy ireo.37Sambatra ireo mpanompo, ijay hitan'ny mpanompony fa niambigna laha efa avy ijy. Lajaiko marina aminareo, fa hisikigna ny lamba lavany amin'ny valagny ijy, ary hampitoboka anajy ireo eo an-databatra, ka ho avy ijy ary hanompo anajy ireo. 38Laha ho avy amin'ny lera faharoa amin'ny aligna ny tompo, na amin'ny lera faha telo aja, ka mahita anajy ireo vognona, die ho sambatra ireo mpanompo ireo.39Ho fagnampin'ijany die fantaro ijao, fa laha fantatry ny tompotragno ny lera hevien'ny mpangalatra, die tsy nagnavela ny tragnony hivakina ijy. 40Miomagnà mandy koa, fa tsy ho fantatrareo ny lera hevien'ny Janak'olo.''41Petera nijaka hoe: ''Tompo ô, aminay rerika mandy ve no ijakanao ijany fagnoharana ijany, sa amin'ny olo manontolo mandy koa?'' 42Ny Tompo nijaka hoe: ''Ija ary no mpitantagna mahatoky sy hendry ijay ho tendren'ny tompony hômbonin'ireo mpanompony hafa ba hagnome anajy ireo ny anjara hanin'ijy ireo amin'ny fotôgna mety? 43Tretrika ijany mpanompo ijany, ijay hitany tompony magnano ijany laha efa avy ijy. 44Lajaiko marina aminareo fa hitendreny handidy ny fanagnany manontolo ijy.45Fa laha mijaka ao am-pony ijany mpanompo ijany hoe: 'Nahemotry ny tompoko ny fiveregnany', ka manomboka mamono ireo mpanompo lelahy sy viavy, ary mihinagna sy minogna ka manjary mamo, 46ny tompon'ijany mpanompo ijany die ho avy amin'ny andro tsy ampoijina, ary amin'ny lera tsy fantany, ary hanapatapaka anajy ka hagnomagna toerana hônajy miaraka amin'ireo tsy mahatoky.47Ijany mpanompo ijany, nahalala ny sitrapon'ny tompony, die hifihina amin'ny famihana rahabe. 48Fa ijay tsy nahalala ka nagnano ijay hajahôny fioka koja, die hifihina amin'ny famihana bitike. Fa ireo je namena maro, die ho be kokoa no hitakena aminajy, ary je nangnakinana be, die ho be lavitra aja no hangatahina aminajy.49Avy aho hanipy afo egny ambon'ny tany, ary hôtran'iaja ny fagnireko ny ba hirehetan'ijany sahady. 50Fa managna fanôvam-batisa ba hagnanboarana batisa aho, ary hôtran'iaja ny fahoreko mandra-pahatanteraka anijany!51Misaigna ve anareo fa avy aho ba hitondra fedanana eto an-tany? Tsiare, milaja aminareo aho, fa fisarahana aja. 52Manombok'ijao die hisy dimy ao amin'ny tragno raika ijay hisarasaraka, olo telo manohitra ny roa, ary olo roa manohitra ny telo. 53Hisarasaraka ijy ireo, ny iabany hanohitra ny janagny lelahy, ary ny janaka lahy hanohitra ny iabany; ny iendriny hanohitra ny janagny viavy ary ny janaka vavy hanohitra ny iendriny; ary ny vinanto vavy hanohitra ny rafojam-bavy.''54Nijaka tamin'ireo vahôka koa Jesôsy hoe: ''Laha efa mahita rahogna miforogna egny andrefana anareo, die hoy avy hatragny anareo hoe: 'Hisy erika ho avy', ary die mitranga ijany. 55Raha efa misy rivotra mitsioka lahatagny antsimo, die hoy anareo hoe: ' Hisy hafanana be ho avy', ary mitranga ijany. 56E mpiatsaravelatsihy, hainareo ny mandinika ny toetoetry ny tany sy ny lagnitra, fa ahôna no tsy ahejanareo mamantatra ijao andro ankehitriny ijao?57Nahôna anareo no tsy mitsara je marina hôn'ny tegnanareo? 58Fa laha efa mandeha miaraka amin'ny mpifagnandrigna aminareo eo agnatrehan'ny mpitsara ambony anareo, egny an-dàlagna die miejaha handamigna ny olagna miaraka aminajy ba tsy handihanany hanintogna anareo eo amin'ny mpitsara, ary ba tsy hagnomejan'ny mpitsara anareo agny amin'ny mpamehy anareo agny am-ponja. 59Hoy aho aminareo, tsy ho tafavôka ao mihitsy anareo mandra-pandoavanareo ny vola farany je madinika indrindra.''
Chapter 13

1Tamin'ijany andro ijany, nisy olo sasane teo nijaka taminajy ny moba ireo Galiliana ijay ny ràn-dreo no nafangaron'i Pilato tamin'ny sorognane monakana. 2Namaly Jesôsy ka nijaka tamin-dreo hoe: ''Anareo ve mieritreritra fa ireo Galiliana die mpanota mihôtre noho reo Galiliana hafa rehetre satria nijaly hôtran'ijany? 3Tsiare, Iaho mijaka anareo. Fa raha tsy mibebaka anareo, anareo abiaby die ho faty hôtran'ijany.4Na iregny olo valo ambin'ny folo tao Silaoma ijay nidabohan'ny tilikambo ka nahafaty andreo, mieritreritre ve anareo fa tena mpanota ratsy mihôtre noho ireo lelahy hafa tao Jerosalema iregny? 5Tsiare, hoy Iaho. Fa anareo raha tsy mibebaka, anareo abiaby mandy koa die ho fate.''6Jesôsy nagnano ijao fagnoharanaijao hoe: ''Nisy olo nanagna hajon'aviavy raike nambolena teo amin'ny tanim-bôlobokane die tonga ijy die nijaha vônkajo teo aminajy anefa tsy nahita na ino na ino. 7Ra lelahy die nijaka tamin'ny mpagnano jaridaigna hoe: ' Efa, tonga teto iaho nandritre ny telo taogna die niejaka nandrembe voa tamin'toy hajo aviavy toy fany tsy nahita mihintsy. Tapaho io. Nagnino io no avela mametrake ny tany?'8Namale ny mpagnano jaridaiga ka nijaka hoe: 'Apitraho ho eo io aloha amin'ty taogna ty mandra-pangadiako magnodidina anajy sy hagnaseko jejike eo aminajy. 9Raha mamoa ijy amin'ny taogna magnaraka, tsara; fa raha tsy ijany, die tapaho ijy!'''10Ary Jesôsy nampinatre tao amin'ny raike tamin'ny Synagoga nandritre y Sabata.11 Die, nisy viavy raike ijay nanagna ny fanahy ratsin'ny fahalemena nandritre ny valo ambin'ny folo taogna teo, die ijy nivokogna die tsy afake nitsangana mahintsy .12Raha nahita ajy Jesôsy, die nangaike anajy ka nijaka hoe: ''Ra viave, afaka amin'ny fahalemenao anao. 13Napetragne teo aminajy ny tanagne, die niaraka tamin'ijay die nitsangana ra viavy die nihoby an'Andriamanitra.14 Fany ny mpandidy ny Synagoga die vay noho ny fagnafahana namboarin'i Jesôsy tamin'ny Sabata. Nohon'ijany die namaly ny mpandidy die nijaka tamin'ny fokon'olo: ''Misy enin'andro ijay tokone hesana. Mevia ka afake, fa koja tsy amin'ny andro Sabata.''15Ny Tompo namale anaje ka nijaka hoe: ''Ry mpetsaravelatsihy !Moa ve tsy samby mamaha ny briky na ny aombine agnaty valane anareo ka mitondran' ijany hinon-drano amn'ny sabata?16 Die hôtran' ijay koa ty janakavavin'i Abrahama, ijany vôfehin' i satana nandritre ny valo ambin'ny folo tagna ity ,tsy tokone mba hivahana ve ny fene amin'ny andro sabata?''17Die raha nijaka ijany raha abiaby ijany Ijy, megnatre areo abiaby ijay nanohitre Anaje,fa ny fokon,olo ray manotolo die faly nohon'ireo raha abiaby malaja namboarine .18Die Jesôsy nijaka hoe: Hôtran'aija ny fanjakan' Andriamanitre, ary hôtran'ino no afake agnoharako ijany?''19 Ijany die hôtran'ny vôtsinapy ijay nalaina sy nafafin'ny lelahy raike teo an-jaridaigna, ka lasa hajo angejabe raike, die ny vorognan'ny lanitra die nagnambôtre tragnone teo amin'ny ratsagne.''20Mbola nijaka mandy Ijy hoe: ''Ino no afaka hampitoviako ny fanjakan'Andriamanitre ?21 Ijany die hôtran'ny karibonaty jay nalain'ny raviavy raike ka naharone tamin'ny koba in-telon'ny fagnaranagna madra-piparitake aoagnatin'ny koba manotolo.''22Jesôsy die nenga nitety ny tanàna sy ny vohitra tsikiraidraike tegny an-dalagna megnagny Jerosalema die nampianatre andreo . 23Nisy raieke nijaka taminajy hoe:"Tompo, moa ve vitsy ny olo no ho vonjena ?'' Die hoy ijy tamin-dreo hoe: 24''Media ny hiditre ny varagaragna tere anareo, satria, Iaho mijaka aminareo, maro no tehitsofoke, fatsy ho afaka ny hiditra.25Reheva ijay mitsangana ny tompon-tragno die magnapegna ny varangarana, die hijoro ao ivelagne eo anareo ka handondogna ny varangaragna die hijaka hoe:Tompo, Tompo ampidiro ahay.' Ijy hamaly ka hijaka aminareo hoe:' Tsy lalako anareo na ny feveranareo.' 26Die hijaka anareo hoe:' Nihinagna ninogna teo alohanao ahay, die anao efa nampianatra tengy an-adalambenay.' 27fa Ijy die hamaly hoe: 'Mijaka aminareo iaho, tsy lalako ijay fevenareo. Menga eto aminahy, anareo mpagnano ratsy.28Hisy fitagnina sy fiadian'ny nify raha ijao anarareo mahita an'i Abrahama, Isaka, Jakoba, sy ny mpaminavina abiaby ao amin'ny fanjakan'Andriamanitre, fany vôrôke agny ivelagne anareo. 29Andreo die ho tonga avy agny antsignanana, andrefana, avaratre, ary atsimo ka hitoboke eo amin'ny latabatry ny fanjakan'Andriamanitre.30 Fantaro ijao, ireo ijay tsy die manan-danja no ho vôlohane , die ireo ijay tena manan-danja no ho farane.''31Tafara kelin'ijay, nisy Fariseo saragne tonga die nijaka taminajy hoe:'' Mandihana ilôjy ny eto satria Heroda die te hamono Anao.'' 32Jesôsy nijaka hoe:'' Mandihana die jakao ijany amboahaolo ijany hoe: ' ijao, Iaho mandroke devoly sy magnano fagnafahana androany sy ampitso, die amin'ny fahatelo die ho tratriko ny tanjognako.' 33Na ino na ino mitranga, raha- lihibe aminahy ny manohy androany, ampitso, sy ny andro magnarake, satria tsy ajo ekena ny famonoana ny mpaminany lavitre an'i Jerosalema .''34Ry Jerosalema, ry Jerosalema, ijay mamono ny mpaminany sy mitara-bato ireo ijay nirahina tagny aminareo. Impiry iaho no nagniry ny hamory ny janakareo hôtra ny akoho vavy mamory ny janagne ambany elane, fany tsy nagniry ijany anareo. 35Die, nilôjana ny tragnonareo. Iaho die mijaka aminareo, tsy ho hitanareo Iaho mandra-pijakanareo hoe: ''Tretrike jay avy amin'ny agnaran'ny Tompo.''

Chapter 14

1Ary indraika sabata, laha efa nandeha andragnon'ny raika tamin'ireo mpitarika ny fariseo hihinagna mofo Ijy die nagnara-maso Anajy akeke areo. 2Kay, teo alohany nisy lelahy raike ijay nampijalian'ny edema. 3Jesôsy nagnotany ireo manam-pahejana amin'ny lalàn'ny Jiosy sy ireo Fariseo hoe: "Ajo atao ve ny magnasitragna amin'ny andro Sabata, sa tsia?"4Fa areo die nangigna. nohon'ijany die niresin'i Jesôsy ijy, ary nafahane, die nalefany nandeha. 5Hoy ijy tamindreo hoe: "Ija aminareo ijay manan-janaka lahy na aomby tafalatsaka agnaty fangalan-drano amin'ny andro Sabata no tsy tonga die hisintogna anajy?" 6Areo die tsy nisy nahavita nagnome valine an'ireo raha ireo.7Laha efa tsikaritr'i Jesôsy ny fomba fisafidianan'ireo ijay nasaina ny toeram-boninahitra, nagnano fagnoharana ijy, nijaka tamin'dreo hoe: 8"Laha efa asaina amin'ny lagnonam-panambadiana anareo, aja mipetraka eo amin'ny toeram-boninahitra noho anareo.9 Laha efa tonga ilay olo ijay nanasa anareo, die hijaka anareo ijy hoe: 'Omeo an'ity olon-kafa ity ny toeranao,' ary am-pahamegnarana no andehananareo hamonjy ny toerana farany ambane.10Fa laha asaina anareo, mandehana die mipetraha amin'ny toerana farany ambany,amin'ijany laha efa mandalo eo ilay nanasa anao, die mety hijaka anao ijy hoe: 'Ry akama, miakara amin'ny agnambognambo.' Ary avy teo die homem-boninahitra anareo eo anatrehan'ireo ijay rehetra mitambatra latabatra aminareo. 11Fa ireo ijay manandra-tegna die hahetry, ary ijy ijay manetri-tegna die hasandratre."12Jesôsy mandy koa nijaka tamin'ilay lelahy nanasa Anajy hoe: "laha efa magnome sakafo na fanasana anao, die aja manasa ireo akamanao na ireo rahalahinao na ireo marivo anao na ireo mpanakarena magnodidigna anao koa ho takalon'ijany, ary die ho vôvaly anao.13Fa laha efa magnano fanasana anao, asao ny mahantra, ny kilemaina, ny mandringa,ary ny jamba,14 die ho sambatra anao, satria tsy afaka hamaly anao areo. Fa anao die ho vôvaly amin'ny fitsanganan'ny marina."15Laha efa naharegny ireo raha ireo ny raike tamin'ireo raika latabatra tamin'i Jesôsy, die nijaka taminajy ijy hoe: "Sambatra ijay hihinagna ny mofo ao amin'ny fanjakan'Andriamanitra!" 16Fa Jesôsy nijaka taminajy hoe: "Nisy lelahy raika nikarakara sakafo lehibe ary nanasa olo marobe.17 Laha efa vôkarakara ny sakafo, die nagniraka ny mpanompony ijy hijaka an'ireo ijay nasaina hoe: 'Mandrosoa, fa ny raha-manontolo die efa vognona.'18Ijy manontolo die nitovy saigna ary nanomboke nagnano felan-tsigny. Ilay vôlohany nijaka taminajy hoe: 'Nivanga saha iahoa, ka tokony hivôka iaho ary hijaha ijane. Miala tsigny aho.' 19Raike hafa nijaka hoe: 'Nivanga aomby folo iaho, ary andao hamantatra anajy reo. Miala tsigny iaho.' 20Avy teo nisy lelahy raike hafa nijaka hoe: "vô avy nampiaka-bady iaho, ary ijany die tsy afaka ny ho tonga iaho.'21Die tonga ilay mpanompo ary nijaka tamin'ny tompony ireo raha ireo. Avy teo ilay tompon-tragno vignitra ka nijaka tamin'ilay mpanompony hoe: "Mandehana malaky eny amin'ireo lalambe sy mahantra, ny mandringa, ny jamba, ary ny kilemaina.' 22Nijaka ilay mpanompo hoe: " Tompo, efa vita ijay nibekoanao, fa bola misy toerana mandy.'23Hoy ny tompon'ilay mpanompony hoe: "Mandehana egny amin'ireo lalambe sy sisim-boly ary tereo areo ho tonga, amijay ho feno ny tragnoko.24 Fa jakaiko aminareo, tsy hisy hagnandragna ny sakafoko ireo lelahy ijay nasaina."'25Ary vahôka be maro no nandeha niaraka taminaje, ary nitodika Ijy ary nijaka andreo hoe: 26"Laha misy aminareo magnatogna Anahy ary tsy mankahala ny iabany, ny endriny, ny vadiny, ny janagne, ireo rahalahiny sy ireo rahavavine, ary na ny fiaignany aja, die tsy afaka ny ho mpianatrako ijy.27 Na ija na ija tsy milanja ny hajofijaliany ary magnaraka Anahy die tsy afaka na ija na ija tsy milanja ny hajofijaliane ary magnaraka Anahy die tsy afaka ny ho mpianatro.28Fa ija aminareo, ijay magniry ny magniry ny hanangagna tilikambo, no tsy mipetraka aloha ary mikajy ny fandanena raha managna ijay ilaina hamitana anajy ijy?29 Laha tsy ijay, laha efa nametraka ny fototra ijy nefa tsy hahavita anijany aby, die hanomboka handatsa andreo manontolo ijay mahita ijany, 30magnano hoe: 'Io lelahy io no nanomboka nanangagna kanefa tsy nahavita aby.'31Na koa mpanjaka ino, laha handeha hifagnehitra amin'ny mpanjaka hafa amin'ny ady, no tsy hipetraka aloha ary hangala hevitra laha miaraka amin'ny ady, no tsy ipetraka aloha ary hangala hevitra laha miaraka amin'ny lelahy iray aligna die afaka hiady amin'ny mpanjaka hafa ijay tonga manohitra anajy miaraka amin'ny lelahy roa aligna?32 Laha tsy ijany, laha mbola lavitra ny tafika hafa, die mandefa antoko ijy ary mangataka fepetra ho amin'ny fihavanana.33 Ka noho ijany, n'ija n'ija aminareo tsy mahafoy ijay rehetra hagnanany die tsy afaka ny ho mpianatrako ijy.34Tsara ny sira, fa laha very ny tsiron'ilay sira, ahoana no hiveragnany ho masigna indray?35 Tsy misy ilan'ny tany anajy na die ny zejin-tany aja. Arena fotsiny ijany. Ijay managna sofigna ho entina miteno, ôka ijy hiteno."

Chapter 15

1Ary ireo mpamory hetra manontolo sy NY mpanota saragny die avy teo amin'ny Jesôsy ba hiteno Anajy. 2Nifampigonogonogna ireo Fariseo sy ireo mpanora-dalàna, nijaka hoe: "Io lelahy io die mandray mpanota, ary miaraka mihinagna aminajy ireo mihitsy aja."3Jesôsy nagnano ijao fagnoharana ijao tamin'ijy ireo, nijaka hoe: 4"Ija aminareo, laha managna ondry jato ijy ary aviteo very ny raika amin'ijy ireo, no tsy handao ny sivy ambin'ny sivi-folo agny amin'ny tany agnefitra, ary henga handremby ilay raika very mandram-pahitany anajy? 5Ary laha hitany ijany, die atany ansoroka ary mifaly ijy.6Laha efa avy ao andragno ijy, angihany aby ireo akamany sy ireo mpiray vodirindrigna aminajy, mijaka anajy ireo hoe: 'Mifalia miaraka aminahy, fa hitako ilay ondriko very.' 7Hôtran'ijany koa, mijaka ami areo Aho, fa hisy fifalena agny andagnitra nohon'ny mpanota iray ijay mibebaka, mihôtra noho ireo olo-marina sivy ambin'ny sivy folo ijay tsy mila mibebaka.8Na ija no viavy ijay managna farantsa kely folo, laha very ny farantsa iray, no tsy hamelogna jiro, hamafa ny tragno, ary handremby amim-pahavitrihana mandram-pahitany an'ijany? 9Laha efa hitany ijany, die angihiny manontolo ireo akamany sy ireo mpiray vodirindrigna aminajy, ka hijaka hoe: 'Mifalia miaraka aminahy, fa hitako ilay farantsa kely raika ijay very.' 10Hôtran'ijany koa, Iaho milaja aminareo, misy firavôravôna eo agnatrehan'ny anjelin'Andriamanitra amin'ny mpanota raika ijay mibebaka."11Aviteo Jesôsy nijaka hoe: "Nisy lelahy raika nanan-janaka rôlahy, 12ary ny faralahy tamin'ijy ireo nijaka tamin'ny iabany hoe: Baba ô! ameo anahy ny anjara fanagnako ijay tokony ho anahy.' Ka die nijarainy tamin'ijy ireo ny fanagnany.13Tsy ela tafaran'ijay, ilay faralahy nangorogna NY anjarany manontolo ka nandeha tamin'aje firenena raika lavitra teo, ary tagny ijy nandany fahatany ireo fanagnany manontolo tamin'ny fiegnana maditra. 14Ary laha efa naniny manontolo ny abiaby, die nisy mosary lehibe niparitaka tamin'io firenena io, ka nanomboka tao agnatin'ny tsy fahampena ijy.15Nenga ijy ary nikarama tamin' ny raika tamin'ireo mponigna tao amin'io firenena io, ijay nandefa anajy tagny amin'ny sahany ba hamahagna lambo. 16Tehinagna mafy ireo sakafo fihinagnin'ny lambo ijy, satria tsy nisy olo nagnome anajy na ino na ino.17Fa laha efa tonga saigna ilay faralahy, die nijaka ijy hoe: 'Firy amin'ireo manompo an'iabako no managna rahanina mihôtran'ny sahaja, ary toy ahomatin'ny fahatehinana! 18Hilôjako eto ka hoagny amin'ny iabako aho, ary aho hijaka aminajy hoe: "Ray ô, efa nanota tamin'ny lagnitra aho, sy teo imasonao. 19Tsy magneva ny angihina hoe janakao koa aho; atôvy hôtran'ny raika amin'ny mpanomponao aho."20Noho ijany, nenga ilay faralahy ka nandeha tagny amin'ny iabany. Laha bola lavitra ijy, die hitan'iabany, ary tohigna nalahelo, ka nihajakajaka, ary namihigna sy nagnoroka anajy. 21Ilay janagny lahy nijaka hoe: 'Baba ô! efa nagnota teo amin'ny lagnitra sy teo imasonao aho. Tsy magneva ny angehina hoe janakao aho.'22Ilay ibany nijaka tamin'ny mpanompo hoe: 'Indôsy malaky ireo akanjo tsara i drindra, ka ampekajoy anajy, ary asio peratra ny tagnany, sy kapa ny hongony. 23Aviteo indôsy ilay janakao aomby matavy la vonio ijany. Andao antsena hankalaja amin'ny lagnonana! 24Satria ny janako lahy die maty, ary ankehitriny velogna indray. Very ijy, ary ankehitriny die hita indray.' Aviteo die nanomboka nivoria ijy ireo.25Ary ilay lahimatoa die tagny ansaha. Fa laha avy ary nagnantogna ilay tragno ijy, die naharegny hira sy dihy. 26Nangaika ny raika tamin'ireo mpanompo ijy, ary nagnotany anajy hoe mety ho ino ijao raha ijao. 27Ilay mpanompo nijaka taminajy hoe: 'Nody ato andragno ilay rahalahinao ka nivonin'iabanareo ilay janaka aomby matavy, satria avy sômatsara ijy.'28Vignitra ilay lahimatoa, ary tsy nagneky niditra, die nivôka ny iabany, ary nengavy anajy. 29Fa namaly ilay lahimatoa ary nijaka tamin'ny iabany hoe:'Jereo, efa antaognany maro no nanompôko anao, ary bola tsy nandika ny lalànao aho, ary anao tsy bola nagnome na die janak'osy nahafahako nivoria niaraka tamin'ireo akamako aja, 30kanefa laha avy ny janakao lahy, ijay nandretra ny fanagnanao tamin'ny mpivaro-tegna, die nivoninao hônajy ilay janak'aomby nafahy.'31Hoy Iabany taminajy hoe: 'Anaka, anao die miaraka aminahy fehijay, ary inay rehetra anahy die anao. 32Kanefa rariny hôntsena ny mivoria sy mifaly, satria toy jandrilahinao die maty, ary ankehitriny die velogna indraika, very ijy, ary ankehitriny die hita indraika koa.'"
Chapter 16

1Ary hoy koa Jesôsy tamin'ny mpianany hoe:" Nisy lelahy mpanan-karena raike, nanagna mpitantagna, ary notanteriny tamin'ajy fa io mpitantana io no nandany ny fanagnany abiaby. 2Koa nampagnatso an'ajy ilay lelahy mpanan-karena ary nijaka tamin'ajy hoe:' Ino ijany regniko momba anao ijany? Magnomeja tatitra momban'ny asa fitantagnanao, fa anao tsy ho afake ny ho mpitandri-pananagna koa.'3Ary ilay mpitandrim-panagnana nijaka tagnaty saigny hoe:" Ino re tokony hamboariko, fa mangala an'ahe amin'ny asa tantagniko ny tompoko? Tsy manan-kery hiasana tany aho, ary megnatre ny hangatake aho. 4Fantatro ny hamboariko, ka laha alaina amin'ny asa fitantagnako aho, die hampandroso an'ahe ao an-dragnon-dreo ny olo5Avy eo ilay mpitan-draharaha nangaike ny kiraidraike tamin-dreo mpitrosan'ny tompone, ary die nagnotany ilay vôlohane ijy hoe: ' hôtrino no anagnan'ny tompoko agny aminao? Nijaka ijy hoe: 'Menaka ôliva jato litatre.' 6Nijaka tamin'ajy ijy hoe: 'Reso ny taratasinao, mitoboha malalaky, ary dimampolo soratana.'7 Ary avy eo ilay mpitantagna nijaka tamin'ny raika hoe:' Hôtrino ny Trosanao? Nijaka ijy hoe: vary jato fagnaranana'. Nijaka tamin'ajy ijy hoe: ' Reso ny taratasinao, ary soraty hoe valopolo.'8Avy eo ilay tompo die nidera ilay mpitantagna tsy marina satria niasa tamin-kafetsena ijy. Fa fetsy loholoho ny janak'ijao tontolo ijao ny amin'ny fifagnarahana amin'ijy samy olo noho ny janakin'ny fahajavana.9 Mijaka aminareo Iaho, mitadiava akama amin'ny alalan'ny vola tsy marina, amin'ijay laha lany ijany, die mety ho resin-dreo ao amin'ny fonegnana mandrakijay anareo.10Ijay mahatoky amin'ny bitika indrindra die mahatoky amin'ny be koa, ary ijay tsy marina amin'ny bitika indrindra die tsy marina amin'ny be koa. 11Laha tsy mahatoky amin'ny fampiasana vola tsy marina anareo, ija no hatoky anareo amin'ny harena marina? 12Laha tsy mahatoky amin'ny fampiasana ny volan'ny olo hafa anareo, ija no hagnome vola ho anareo manokagna?13Tsy misy mpanompo afake manompo tompo roe, fa na ijy hankahala ny raike die ho tia ny raike, na koa ijy hanolo-tegna ho an'ny iraike die hanao tsinotsinogna ilay hafa. Tsy afake manompo an'Andriamanitra sy ny harena ijy14Ary ny Fariseo, ijay tia vola laha naharegne an'ijane raha abiaby ijane, die nagnamavo an'Aje areo. 15Nijaka tamin-dreo Ijy hoe:" Anareo die magnamarina ny tegnanareo eo imason'ny olo, fa Andriamanitra mahalala ny fonareo. Fa ijay hasandratra eo amin'ny olo die hankahalaina eo imason'Andriamanitra.16Ny lalana sy ireo mpaminany die nisy mandra-piavin'i Jaona. Efa hatramin'ijany fotôgna ijany, no efa nitoriana ny filajantsaran'ny fanjakan'Andriamanitra, ary ny kiraidraike die niejake nagnitsy ny lalany ho amin'ijany. 17Fa lalo moramora ny hahafôgna ny lagnitre sy ny tany noho ny soratre bitika indrindra ao amin'ny lalagna ho tonga tsy manan-kery.18Ijay misarake amin'ny vadiny ka magnakatre viave hafa die mijanganjanga, ary ijay magnakatre viave ijay nisara-bady die mijangajanga.19Ary nisy mpanan-karena raike ijay niakanjo voloparasy sy rongony manify ary nankamamy isan'andro ny harem-beny. 20Nisy mpangatake raike ijay antsoina hoe Lazarosy nidoboke teo amin'ny vavahadiny, rakotre bay, 21ary nagniry mba hihinagna ijay latsake avy eo ambony latabatr'ilay lelahy mpanan-karena. Fa ny amboa aja avy sady nilelaka ny bainy.22Ary indro maty ilay mpangatake ka nindôsin'ireo anjely ho eo agnilan'ny Abrahama. Maty mandy koa ilay mpanan-karena ka nalevigna, 23ary tao amin'ny fahaverejana, laha nampijaliana, die nanandratre ny masony ijy ary nahita an'i Abrahama tegny alavitre sy Lazarosy teo anilany.24Koa nihikiake mahare ijy sy nijaka hoe:' Abrahama Iaba, mamindra fo amin'ahe ary alefaso Lazarosy, mba handrobohane ny lohan'ny rantsan-tagnany ao agnaty rano ary hampangatsiatsike ny lelako, fa ato agnatin'ny fangirifiriana mafy agnatin'itoy afo itoy iaho'25Fa Abrahama nijaka hoe:' Anake, tsarovy fa tamin'ny androm-piaignanao die nahajo raha tsara anao, ary ny an'i Lazarosy koja raha ratsy. Fa ankehitrigny ijy aty die vôtambitamby, ary anao ao amin'ny fangirifiriana. 26Ankôtran'ijany abiaby ijany, die nisy hantsagna lehibe napetrake, mba tsy ho afake hiampita ijay te-hiampita avy atoy mandeha egne aminareo, ary tsy misy afake hiampita avy egne handeha etoy aminay'.27Ilay mpanankarena nijaka hoe:'Miangavy anao iaho, ry Abrahama Iaba, mba hagnirahanao an'aje ho agny an-dragnon'Iabako_ 28fa managna rahalahy dimy iaho_ mba ahafahane mampitandrigna an-dreo, nohon'ny tahotre ny hatongavan-dreo aty amin'ity toerana fijaliana atoy mandy koa29Fa Abrahama nijaka hoe:' Managna an'i Mosesy sy ny mpaminany areo; ôka areo hiteno an-dreo.' 30Ary namale ilay lelahy mpanan-karena hoe:' Tsiare, ry Abrahama Iaba, fa laha misy avy amin'ny maty menga agny amin-dreo, die hibebake areo.' Fa31 Abrahama koja nijaka tamin'ajy hoe:' Laha tsy miteno an'i Mosesy sy ireo mpaminany areo, die tsy ho resy lahatre mihitsy na misy olo mitsangagna amin'ny maty aja'
Chapter 17

1Jesôsy nijaka tamin'ireo mpianatrany hoe: ''Ajo antoka fa hisy raha afaka hanosika antsena hagnota, fa loja hôn'olo ijay hevien'ijany! 2Tsara hônajy kokoa laha asena vato angejabe eo amin'ny vojogny ka hatsipy agny andronomasina, hôtran'ijay hahatafantohigna ny raika amin'ireo misaigna ireo.3Mitandrema anareo. Laha magnota ny rahalahinareo, jakay maharé ijy, ary laha mibebaka ijy, mamelà anajy.4 Laha magnota aminao impito ao agnatin'ny raik'andro ijy, ka impito miverigna aminao ijy, mijaka hoe: 'Mibebaka aho', die tsy mentsy mamela anajy anao!''5Ireo apostoly nijaka tamin'ny Tompo hoe: ''Ampitomboy ny finônay.'' 6Ny Tompo nijaka hoe: ''Laha managna finôna tahakan'ny vôtsinampy anareo, die afaka mijaka amin'io vôroihajo io hoe: 'Mievota ary maniria agny amin'ny ranomasina,' die hagneky anareo ijy.7Fa ija aminareo no managna mpanompo miasa tany na merakandro ondry, ka hijaka aminajy laha avy lahatagny an-saha ijy hoe: 'Avia malaky ka mitoboha ba hihinagna'?8 Fa tsy hijaka aminajy ve ijy hoe: 'Karakaray raha ho haniko aho, ka asio fehikibo magnodidigna ny ankajonao die manompoa anahy mandrapahananeko ny rahaniko sy fisotrôko. Die avy teo anao mihinagna sy minogna'?9Tsy misoatra le mpanompo ijy satria nagnano ireo ijay nibekôna anajy ijy, sa misaotra ve ijy? 10Na die anareo koa andré, laha efa nahavita ireo raha manontolo ijay nandidiana anareo ianareo, die tokony hijaka hoe: 'Ahay die mpanompo tsy mendrika. Jay tokony namboarinay mandy no namboarinay.'''11Ary laha nenga ho agny Jerosalema Ijy, die nandeha teo amin'ny sisi-tany teo agnelagnelagn'i Samaria sy Galilia.12 Laha efa niditra tao amin'ny tanàna raika ijy, die nisy boka folo lahy nifakatojo taminajy tao. Nitsangagna lavitra Anany ijy ireo,13 ary nanandratra maharé ny feon'ijy ireo, nijaka hoe: ''Jesôsy, Tompo o, mamindrà fo aminay.''14Laha efa nahita anajy ireo Ijy, die nijaka tamindreo hoe: ''Mandihana die ampisehoy amin'ireo mpisorogna ny tegnanareo.'' Laha igny lasa igny ijy ireo die nadio. 15Laha efa nahita ny raika tamin'ijy ireo fa satria ijy, die niverigna, niaraka tamin'ny feo maharé nankalaja an'Andriamanitra. 16Nenkohoka teo amin'ny hongotry Jesôsy ijy, nagnome fisôrana hôn'Ajy. Ijy die Samaritana.17Ary Jesôsy nijaka hoe: ''Tsy efa vôdio ve ijy folo? Fa aja ny sivy? 18Tsy nisy hafa nipody hagnome voninahitra an'Andriamanitra ve, afa-tsy toy vahiny toy?'' 19Ary hoy ijy taminajy: ''Mitsangàna ka mandihana. Ny finônao no nampahafaka anao.''20Laha nagnotanian'ireo Fariseo hoe amin'ny vena ny fanjakan'Andriamanitra no ho avy, die namaly andreo Jesôsy ka nijaka hoe: ''Tsy taja-maso ny fieven'ny fanjakan'Andriamanitra.21 Tsy hijaka koa ijy ireo hoe: 'Jahay, itoy le ijy!' na hoe: 'Irôy le ijy!' Fa koja, ny fanjakan'Andriamanitra die ao agnatinareo.''22Hoy ijy tamin'ireo mpianatra: Avy ny andro nagnirenareo ny hahita ny raika amin'ny andron'ny Janak'olo, fa tsy hahita anijany anareo. 23Ary ijy ireo die hijaka aminareo hoe: 'Jahay erôy! Jahay etoy!' Fa aja mivôka na magnenjika anajy ireo, 24fa hôtran'ny tselatra mamiratra majava laha efa mitaratra laha tagny amin'ny ilany ny lagnitra ka hatragny amin'ny ilany raika, die hôtran'ny jany ny Janak'olo amin'ny fotôgnany.25Fa vôlohany die tsy mentsy hijaly amin'ny raha maro Ijy ary hilavin'ity taranaka ity. 26Hôtran'ijay nitranga tamin'ny andron'i Noa, no hitranga koa amin'ny andron'ny Janak'olo. 27Nihinagna ijy ireo, ninogna, nanambady, natolotra ho ampekarina, mandrapeven'ny andro ijay nidiran'i Noa tao amin'ny sambofiara ary tonga ny safo-drano ka nandringagna anajy manontolo.28Hôtran'ny ijay nitranga tamin'ny andron'i Lota, nihinagna sady ninogna ijy ireo, nividy sy nivarotra, namboly sy nagnano tragno.29 Fa tamin'ny andro ijay nivoahan'i Lota avy tao Sodoma, die afo sy solifara no nilatsaka avy lahatagny andagnitra ka nandringagna anajy manontolo.30Die hôtran'ijany koa ny amin'ny andro nisehôn'ny Janak'olo. 31Amin'ijany andro ijany, aja abela hidigna hangala ireo entagny ho egny ambohon'ny tragno ijay egny amin'ny tampotragno; ary aja avela hipody ijay agny an-saha.32Tadidio ny vadin'i Lota. 33Na ija na ija mitady hamonjy ny aigny die hahavery anajy, fa na ija na ija hahavery ny aigny die hamonjy anajy.34Milaja aminareo Aho, fa amin'ny ijany aligna ijany die hisy olo roa eo ambonifandrena raika. Ny raika die hiresina, ary ny raika die havela. 35Ary hisy rôvavy miaraka manoto vary. Ny raika hiresina ary ny raika habela.'' 36[Fagnamarihana: ireo fandikana taloha tsara indrindra die mangala ny andigniny faha 36 hoe: ''Hisy rôlahy agny an-saha; ny raika hiresina ary ny raika habela.''] 37Nagnotany anajy ijy ireo hoe: ''Aja, Tompo?'' ary Ijy nijaka tamin-dreo hoe: ''ijay hitoeran'ny faty die agny koa no hisy votoro hiara-mivorovoro.''
Chapter 18

1Avy teo Ijy nivoria fagnoharana tamin-dreo ny mahakasika ny tokony hivavahan-dreo fehijay, ary tsy ho kivy, 2nijaka hoe: "Tao amin'ny tanàna raike die nisy mpitsara ijay tsy natahotra an'Andriamanitra ary tsy nagnaja olo.3Ary nisy mpitondra-tegna raike tamin'io tanàna io, ary ijy avy amin'ajy ao fehijay, nijaka hoe: "Ampio iaho mba hajahôko rarine eo agnatrehan'ny fahavaloko."4 Fa efa hatramin'ny ela ijy no tsy vognona hagnampy an'aje, fa tafara kelin'ijay die nivoria rerike ijy hoe: "Na die tsy matahotra an'Andriamanitra aja iaho no tsy magnaja olo,5 sady koa satria magnelingeligna an'ahy itoy mpitondra-tegna itoy, die hagnampy an'ajy iaho mba hajahône rarine, mba tsy handrakaka an'ahe amin'ny fivejivejeny matetika atoy koa ijy."6Avy teon'igne nijaka ny Tompo hoe: ''Tenoy ijay jakain'ny mpitsara tsy marina.7 Ary tsy hagnome rarine ijay hôn'ijay vôfidiny ijay mangaika mahare an'Ajy andro aman'aligna koa ve Andriamanitra? Hangataka andro lava amin-dreo ve ijy?8 Jakaiko aminareo fa hagnome rarine tsy ho ela n-dreo ijy. Hôtran'ijay koa, laha avy ny Janak'Olo, hahita finôna etoy an-tany tokôtra ve Ijy?"9Avy teon'igne koa Ijy nivoria ijao fagnoharana ijao tamin'ny saragne ijay natoky ny tegnan-dreo hoe marina sy ijay tsy magnaja ny ireo olon-kafa:10 "Nisy rôlahy niditra tao am-pengonana mba hivavake- ny raike die Fariseo ary ny raike hafa die mpamory hetre.''11Ilay Fariseo nitsangagna ary nivavaka ireto raha ireto raha mahakasika ny tegnany ireto hoe: "Andriamanitra ô, misaotra Anao iaho fa tsy hôtran'ny olo hafa_mpangalatre, olo tsy marina, mpijangajanga_na hôtran'itiky mpamory hetra itiky aja.12 Mifady hanina indroa isan-kerignandro iaho. Magnome ny ampahafolon'ijay ajoko abiaby iaho."13Fa ilay mpamory hetra, nitsangagna tegny alavitre, tsy nahasahy nijery tegny amin'ny lagnitre mihitsy, fa nandon-tratra , nijaka hoe : "Andriamanitra ô, mamindrà fo amin' ahy, mpagnota." 14Mijaka aminareo Iaho, io lelahy io die nody tandragnone vomaraina noho ilay raike, satria ijay abiaby magnambony tegna die hambaniena , fa ijay abiaby magnabany tena no hambonena."15Ny olo koa die nitondra ny janagny madinike tamin' Azy teo , mba hikasihane an-dreo , fa laha nahita ijany ireo mpianatre , die nijaka mahare an-dreo.16 Fa Jesosy nangaika an- dreo hagnatogna an'Aje , nijaka hoe: "abilay ny jaja hagnatogna an'Ahe , ary aza sakagnana areo . Fa hôn' ny hôtran-dreo ny fanjakan' Andriamanitra . 17Jakaiko marina aminareo , n' ija n ' ija tsy mandray ny fanjakan' Andriamanitra hôtran' ny jaja die tsy hiditra eo amin' ijany mihitsy ."18Ary misy mpanapaka raike nagnotagny an' Azy,nagnano hoe: " Mpampianatra tsara ô , ino no tsy mentsy hamboariko handovako ny fiaignana mandrakizay?"19 Jesôsy nijaka tamin' ajy hoe: "Nagnino Iaho no jakainao hoe tsara? Tsy misy olo tsara, ankôtran'Andriamanitra rery mandy.20 Fantatrareo ireo didy _Aja mijangajanga, aja mamono olo, aja mangalatre, aja mitsangagna vavolombelogna mivande, magnajà an'iabanao sy iendrinao.'' 21Nijaka ilay mpanapaka hoe: "Ijany abiaby ijany die efa nitandremako hatramin'iaho mbola tanora."22Laha naharegny ijany Jesôsy, die nijaka tamin'ajy hoe: "raha raike no tsy ampy aminao. Tsy mentsy mivarotra ijay abiaby anagnanao anao ary mijara ijany amin'ny misotry, ary hanagna harena agny an-dagnitra anao_ary avia, magnaraha an'Ahe."23 Fa laha naharegny ireo raha ireo ilay mpanapaka, die nanjary nalahelo lôtra, fa nanan-karena be ijy.24Ary Jesôsy, nahita an'ajy, nanjary malahelo mahare [Fagnamarihana: Ireo manam-pahejana die misara-kevitra laha tokony hampidirina eto ny teny hoe: [Ijy] die nanjary nalahelo mahare. Ampitahay ny And 23] ary nijaka hoe: "Manao akory ny fahasarotan'ny fidirana ao amin'ny fanjakan'Andriamanitra hôn'ireo ijay mpana-karena!25 Fa moranora loholoho hôn'ny rameva ny hiditra amin'ny vodim-panjaitre, hôtran'ny hidiran'olo mpana-karena raike ao amin'ny fanjakan'Andriamanitra."26Ireo ijay naharegny ijany die nijaka hoe: "Ija ary no afaka ho vonena?"27 Jesôsy namaly hoe: "ireo raha ijay tsy hain'olombelogna die hain'Andriamanitra."28Petera nijaka hoe: "Indro, nahafoy ny raha abiaby ijay anay ahay ary nagnaraka Anao.'' 29Ary Jesôsy nijaka tamin-dreo hoe: " Jakaiko marina aminareo, fa tsy misy olo ijay nahafoy tragno, na vady, na rahalahy, na ray aman-dreny, na janake, noho ny fanjakan'Andriamanitra,30 ijay tsy hahajo misimisy loholoho amin'itoy ijao tontolo ijao itoy, ary amin'ny andro ho avy, die fiaignana mandrakijay."31Laha avy nagnangogna ny rômbifolo lahy tamin'Ajy teo Ijy, die hoy ijy tamin-dreo hoe: "Indro, miakatre ho agny Jeroslaema antsena, ka ireo raha abiaby ijay vôsoratr'ireo mpaminany mahakasika ny Janak'olo die ho tomombagna. 32Fa hatolotre eo amin'ireo Jentilisa Ijy, ka hihehejana, sy halaim-baraka, ary handroràna. 33Afaran'ny hamihana an'Aje, die hivonin-dreo IJy ary amin'ny andro fahatelo die hitsangagna inadraika Ijy."34Tsy nahafantatra n'ino n'ino tamin'ireo raha ireo areo, ary navony tamin-dreo ijany jaka ijane, ary tsy ajon-dreo ny raha vôlaja.35Ary laha nagnakeke an'i Jerikô i Jesôsy, die nisy lelehy pôka raike nitoboke teo amoron-dalagna nangatake,36 ary laha naharegny ny fokon'olo nandalo, die nagnontany ijay raha niseho ijy. 37Nijaka tamin'ajy areo hoe nomba teo Jesôsy avy agny Najareta.38Ka nagnaika mahare ilay lelahy pôke, nagnano hoe: "Jesôsy, Janak'i Davida, mamindrà fo amin'ahe. 39Fa ireo ijay nenga nelohaka die nijaka mahare an'ilay lelahy pôke, ka nijaka tamin'ajy mba hangigna. Fa ijy vô meka nangaika mahare hoe: "Ry Janak'i Davida, mamindrà fo amin'ahe."40Jesôsy nijanogna ary nandidy ny mba hitondrana ilay lelahy hômin'ajy eo. Ary laha takeke teo ilay lelahy pôke, die nagnontany an'ajy Jesôsy hoe:41 "Ino no tianao hanboariko hônao? Nijaka ijy hoe: "Tompo, te-hahita iaho."42Jesôsy nijaka tamin'ajy hoe: "Mahita. Ny finônao no nahasitragna anao." 43Teo noho eo die nahita ijy ka nagnaraka an'Aje, nagnome voninahitra an'Andriamanitra. Ny olo abiaby, laha nahita ijane, die nanolotre, fiderana hôn'Andriamanitra.
Chapter 19

1Niditra Jesôsy ary nandalo an'i Jeriko. 2Ka nisy lelahy ijay antsoina hoe Zakaiosy teo. Ijy die lehiben'ny mpamory hetra sady nanan-karena.3Niejaka ny hahita ijy hoe ija Jesôsy, ka anefa tsy afaka nahita tao agnaty vahôka, satria fohika ijy. 4Ka nihajakajaka nelohan'ny ireo vahôka ijy ary nagnanika hajon'aviavy raika ba hahita Anajy, satria handalo amin'ijany lalagna ijany Jesôsy.5Laha avy teo amin'ny toerana Jesôsy, die niandrandra Ijy ka nijaka taminajy hoe: ''Ry zakaiosy, mijotsoa malaky, fa niany die tsy mentsy mijanogna ao andragnonao Aho.'' 6Die nidigna malaky ijy ary nandray Anajy tamim-pifalena. 7Laha efa nahita anijany ny manontolo, die nitoreo aby, nijaka hoe: '' Niditra hamangy lelahy ijay mpagnota Ijy''8Nitsangagna Zakaiosy ka nijaka tamin'ny Tompo hoe: ''Jahay, Tompo, ny ansasaky ny fanagnako die ameko hôn'ny mahantra, ary laha ohatra ka nisy raha nagnambakako olo, die hisoloiko in'efatra mandongalika.'' 9Jesôsy nijaka taminajy hoe: ''Niany ny famonjena no avy ato amin'itoy tokatragno itoy, satria ijy koa die janak'i Abrahama.10 Fa ny janak'olo die avy ba handremby sy hamonjy ireo olo ijay very.''11Laha naharegny ijany raha ijany ijy ireo, die nanohy nijaka Ijy ary nagnano fagnoharana raika, satria nariny an'i Jerosalema teo Ijy, ary ijy ireo nihevitra fa hiseho teo ho eo ny fanjakan'Andriamanitra.12 Noho ijany ijy die nijaka hoe: ''Nisy tandapa raika nenga tagny an-tany lavitra ba hahajo fanjakana hôn'ny tagnany ary hipody avy teo.13Nangaika folo lahy tamin'ireo mpanompony ijy, ary nagnome farantsa folo anajy ireo, ary nijaka tamin'ijy ireo hoe: ''Magnanôva raharam-barotra mandram-pipodianako.'' 14Ka anefa ireo vahôka nankahala anajy ary nandefa solo-tegna nagnaraka anajy, nijaka hoe: 'Tsy ilainay ny hanjakan'io lelahy io eto aminay.' 15Ary laha efa nipody koa ijy, avy nandray ny fanjakana, die nandidy ireo mpanompony ijay nameny vola ba ho eo aminajy areo, ba hahafatarany je tombony ajon'ijy ireo tamin'ny fagnanôvana raharaham-barotra.16Avy teo agnatrehany ny vahôka, nijaka hoe: 'Tompo, ny farantsanao die nahajo tombony farantsa folo mihôtra.' 17Nijaka Anajy le tandapa hoe: 'Tsara ijany, ry mpanompo tsara. Noho anao nahatoky tamin'ny kely die kely, die hanampahefana amin'ny tanàna folo anao.'18Avy le faharoa nijaka hoe: 'Ny farantsanao Tompo, die nahavita farantsa dimy.' 19Ary nijaka taminajy le tandapa hoe: Hendrekitra tanàna dimy anao.'20Avy ny raika hafa, nijaka hoe: 'Tompo, itoy ny farantsanao, ijay natsarejiko tsara tao agnaty lamba, 21fa natahotra anao aho, satria lelahy maseka anao. Ka mangala ijay napetrakao, ary mambely ijay tsy nafafinao.'22Nijaka taminajy le tandapa hoe: ''Amin'ny jakanao manokagna no hitsarako anao, anao a mpanompo ratsy fagnahy. Hainao fa aho die lelahy maseka, mangala ijay tsy napetrako, ary mambely ijay tsy nafafiko. 23Ka nahôna no tsy najanognanao tagny amin'ny mpagnatsary vola ny volako, ka laha efa nipondy aho die ho nandray anijany niaraka tamin'ny janagne?'24Le tandapa nijaka tamin'ireo jay nijoro mariny teo hoe: 'Alay taminajy ny farantsa, ary ameo an'le managna farantsa folo.' 25Ary hoy ijy ireo taminy hoe: 'Tompo, managna farantsa folo ijy.'26Aho mijaka aminareo, fa ijay rehetra managna die hamena mihôtra fa je tsy managna, na die ijay anagnany aja die halaina.27 Fa ireo fahavaloko, ireo ijay tsy nagniry anahy hanjaka eo amin'ijy ireo, indôsy atoy ijy ireo ary vonio eto agnatrehako.'''28Laha efa avy nijaka an'ireo raha ireo ijy, die nenga neloha, niakatra ho agny Jerosalema.29Ary laha avy nariny an'i Betifaga sy Betania Ijy, teo amin'ny tendrombohitra atao hoe Oliva, die nagniraka ny roa tamin'ireo mpianatrany Ijy, 30nijaka hoe: ''Mandihana agny amin'ny tanàna magnaraka. Laha efa miditra anareo, die hahita jana-biriky raika bola tsy nidioban'olo mihitsy. Tataho ijany die indôjy atoy Aminahy. 31 Laha misy magnotany anareo hoe: 'Nahôna no tatahanareo io?' die lajay hoe: 'Misy ilàn'ny Tompo anajy.'32Ireo je nirahina die nenga ary nahita ny janabiriky araka ny nilajain'ny Jesôsy tamin'ijy ireo. 33Laha teo ampamahana ny janabiriky Ijy ireo, die hoy ireo tompony tamin-dreo hoe: ''Nahôna no tatahanareo ny janabiriky?'' 34Nijaka ijy ireo hoe: ''Misy ilàn'ny Tompo anajy.'' 35Nindandreo tagny amin'i Jesôsy ijany, ary napetrak'ijy ireo teo ambonin'ny jana-biriky ny lambany ary nametraka an'i Jesôsy teo amboniny. 36Laha nandeha igny Ijy, die napelatrandreo teo amin'ny lalagna ny lamban'ijy ireo.37Ary laha efa nariny an'ny toerana fidignana amin'ny Tendrombohitr'Oliva Ijy, die nanomboka nifaly ireo mpianatrany raha be ary nidera an'Andriamanitra tamin'ny feo maharé nohon'ny asa lehibe manontolo ijay hitan'ijy ireo, 38nijaka hoe: ''Deraina anie ny mpanjaka ijay avy amin'ny agnaran'ny Tompo! Fedanana agny andagnitra ary voninahitra agny amin'ny ambony indrindra!''39Ny Fariseo saragny teo amin'ny vahôka die nilaja taminajy hoe: ''Mpampianatra ô, jakay mahqré ireo mpianatrao.'' 40Namaly Jesôsy ary nijaka hoe: ''Lajaiko aminareo, fa laha mangigna ijy ireo, die hihekieka ny vato.''41Laha efa nagnotany ny tanàna Jesôsy, die nitomagny anajy, 42nijaka hoe: '' Raha ba fantatrao mako amin'ijao andro ijao, eka anao, ireo raha mitondra fedanana hônao! Nefa ankehitriny ireo die mivony amin'ny masonao.43Fa ho avy aminao ireo andro, ijay hananganan'ny fahavalonao fefy magnodidigna anao, ary hanery anao amin'ny lafiny manontolo. 44Ijy ireo die handavo anao sy ny janakao amin'ny tany. Tsy hagnavela na die vato raika hifampideba aja ijy ireo, satria anao tsy nahalala an'ijany bola Andriamanitra niejaka ny hamonjy anao.''45Niditra tao an-tempoly Jesôsy ary nanomboka nandrôka ireo ijay nivarotra, 46nijaka tamindreo hoe: ''Ny tragnoko die namboarina ho tragno fivavaha,' fa anareo koja nagnano anijany ho zohy fierenan'ireo jiolahy.''47Ka die nampianatra isan'andro tao antempoly Jesôsy. Ireo lohan'ny mpisorogna sy mpanoratra lalàna ary ireo mpitarika ny vahôka die die nikasa ny hamono anajy, 48fa tsy nahita hirika hagnanôvana an'ijany ijy ireo, satria najoto niteno anajy ny vahôka manontolo.
Chapter 20

1Ary indraike andro, laha nampianatre ny vahôke tao amin'ny tempoly Jesôsy ary nitory ny filazantsara, die nagnatogna an'Ajy ireo lohan'ny mpisorogna sy mpanora-dalana niarake tamin'ireo loholona. 2Nijaka areo, nagnano tamin'ajy hoe;" Lajao anay hoe amin'ny fahefana ino no hanôvanao ireo raha ireo? Na koa ija no nagnome anao ijao fahefana ijao?"3Namaly ijy ary nijaka an-dreo hoe:" Iaho koa die hametrake fagnotaniana aminareo. Jakay an'Ahe ny mikasika 4ny batisan'i Jaona. Moa ve ijany avy agny an-danitra sa avy amin'ny olombelogna?"5Niady hevitre areo, nijaka hoe:" Laha hamale antsena hoe:" Avy any an-danitra" die hijaka Ijy hoe: "Koa nahôna anareo no tsy nino an'aje?" 6Fa laha mijaka antsena hoe:" Avy amin'ny olombelogna," dia hitily vato antsena ny vahôke abiaby, satria areo die resy lahatre fa Jaona die mpaminany."7Noho ijane die namale areo fa tsy fantan-dreo ijay niaviane. 8Jesôsy nijaka tamin-dreo hoe:" Iaho koa tsy hilaja aminareo ijay fahefana hagnanôvako ijao abiaby ijao."9Nijakainy tamin'ny vahôke ijao fagnoharana ijao:" Nisy lelahy raike nagnano tanim-bôloboke, nampagnofa ijany tamin'ny mpamboly vôloboke, ary nandeha tagny amin'ny firenena hafa nadritre ny fotôgna maharitre. 10Tamin'ny lera vôtondro die nandefa mpanompo ijy ho agny amin'ireo mpamboly vôloboke, fa tokony hagnome ajy ny vônkajon'ilay tanim-bôloboka areo. Nilamognin'ny mpamboly anefa ijy, ary nalefany niverigna tagnam-polo.11Avy eo die nandefa mpanompo hafa indraike hafa ijy ary die nilamognin-dreo mandy koa, nalaina baraka, ary nalefan-dreo tagnam-polo. 12Mbola nandefa fagnitelony ijy ary noratrain-dreo koa ijy, ary noroahiny.13Noho ijany die nijaka ny tompon'ilay tanim-bôloboke hoe:" ino no hataoko? Halefako agny ny janaka lahy malalako. Mety mba ho hajain-dreo ijy." 14Fa laha tsinjon-dreo mpamboly vôloboke ijy, dia nifampivoria areo, nijaka hoe:" Io ilay mpandova. Ndao ho vonointsena ijy, mba ho lasantsena ny lova."15Noroahin-dreo niala ny tanim-bôloboke ijy ary novoin-dreo. Ino ary no ho ataon'ny tompon'ilay tanim-bôloboke amin-dreo? 16Ho avy ijy ary hamotike ireo mpamboly vôloboke, ary hagnome ilay tanim-bôloboke ho an'ny hafa." Laha naharegne ijany areo, die nijaka hoe:" Sagnatria amin'Andriamanitra!"17Fa nijaha an-dreo Jesôsy, nijaka hoe:" Ino no hevitr'ilay vôsoratra hoe:" Ny vato nolavin'ireo mpagnano trano no tonga vato fehijoro? 18Ny kiraidraike ijay lavo amin'io vato io die ho torotoro. Fa na ija na ija hidarabohany, die ho potike."19Koa nitady hanambotre an'Ajy tamin'io lera io ireo mpanora-dalana sy ireo mpisorogna, fa fanta-dreo fa nolajainy io fagnoharan'io hanohitra an-dreo. Kanefa natahotre ny vahôke areo. 20Teo am-pandinihina an'Ajy tsara, die nandefa mpitsikilo mody ho marina areo, mba ahafahan-dreo mahita tsigny amin'ny jakany, ka hanolotre an'Ajy eo amin'ny fanapahana sy ny fahefan'ny governora.21Nagnotany an'Ajy areo, nijaka hoe: Mpampianatra ô, fantatray Anao fa mijaka sy mampianatre amim-pahamarinana, ary tsy vôsariky ny hevitr'ija na ija, fa anao die mampianatre ny fahamarinana momban'ny lalan'Andriamanitra. 22Ara-dalàna ho anay ve ny mandoa hetra amin'i Kaisara, sa tsia?''23Fa Jesôsy die nahatakatre ny hafetsen-dreo, ary nijaka tamin-dreo hoe:" 24Mampiboaha denaria raika amin'Ahe. An'ija io sary io sy agnarana eo amin'ajy io?'' Nijaka areo koe:" An'i Kaisara."25Hoy Ijy tamin-dreo hoe:" Noho ijane omeo an'i Kaisara ny raha ijay an'i Kaisara, ary an'Andriamanitra, ireo raha ijay an'Andriamanitra." 26Tsy nahita tsigny tamin'ijay nojakainy teo anatrehan'ny vahôke areo, fa die nitolagaga tamin'ny valin-teniny ka nagigna.27Laha avy teo amin'Ajy ny saragne tamin'ireo Sadoseo, ireo ijay nijaka fa tsy misy ny fitsanganagna amin'ny maty, 28nagnotany an'Ajy areo, nijaka hoe:" Mpampianatra ô, Mosesy die nanoratre ho an-tsena fa raha maty ny rahalahin'ny lelahy raike, manam-bady, ary tsy manan-janake, die tokony hangala vady an'ilay vadin-drahalahiny ilay lelahy, ary hagnome janake ho an'ny rahalahiny.29Nisy mpirahalahy fito ary ny vôlohany nanam-bady, ary maty tsy nanan-janaka, 30ary ny faharoa koa hôtran'ijay.31 Nagnakatre an'ajy ny fahatelo, ary hôtran'ijany aby koa ijy fito samy tsy nanan-janaka, ary maty.32 Tafaran'ijay die maty koa ilay viavy. 33Amin'ny fitsangnagna amin'ny maty, ho vadin'ija ary ijy? Fa samy efa nanambady an'ajy ijy fito."34Jesôsy nijaka tamin-dreo hoe:" Ireo janak'ijao tontolo ijao dia magnaka-bady sy akarina. 35Fa ireo ijay hita amin'ijao andro ijao fa mendrika ny handray ny fitsanganagna amin'ny maty die tsy hagnakatre na akarina.36 Tsy ho faty koa areo, satria mitovy amin'ireo anjely sy ireo janak'Andriamanitra, ijay janaky ny fitsanganagna amin'ny maty.37Fa ny maty die natsangagna, na Mosesy aja dia nagnabôke, teo amin'ilay toerana ijay nisy ny vôndroy, ijay nagnatsoany ny Tompo ho Andriamanitr'i Abrahama sy Andriamanitr'Isaka ary Andriamanitr'i Jakôba.38 Ary ijy die tsy Andriamanitry ny maty, fa ny velogna, satria ny abiaby die velogna ao amin'Ajy39Ny saragne tamin'ireo mpanora-dalàna namaly hoe:" Mpampianatra ô, namaly tsara Anao." 40Satria tsy sahy nametrake fangnotaniana hafa tamin'ajy koa areo.41Jesôsy nijaka an-dreo hoe:" Ahôna no ilajan-dreo fa kristy die janaka lahin'i Davida? 42Fa Davida tegnany no nijaka tao amin'ny bokin'i Silamo hoe: Ny Tompo nijaka tamin'ny Tompoko hoe:" Midoboha eo an-tanana ankavanako, 43mandra-panôvako ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao." 44Noho ijany Davida die nangaike an'i Kristy hoe:" Tompo", Ka ino no maha janak'i Davida an'Ajy?45Teo anatrehan'ny olo abiaby die nijaka tamin-dreo mpianany Ijy hoe:" 46Mitandrema amin'ny mpanora-dalàna, ijay magniry handeha miarake amin'ny akanjo lava, sy tia fiarahabana manokagna egny an-tsena, sy seja vôlohany ao anaty synagoga, ary toerana vôlohany agny amin'ny fanasana. 47Areo koa die mandany ny tragnon'ireo mpitondra-tegna, ary magnano vavaka lavareny ho fisehosehoana, Ny lelahy hôtran'ijany die hahajo fagnamelohana lehibe loholoho."
Chapter 21

1Jesôsy nitopy maso ka nahita ireo lelahy manan-karena ijay nandatsake ny fagnatitran-dreo tao amin'ny fandatsahan-drakotre.2 Nahita mpivantotre misotry raike nandatsake farantsa roe tao ijy ity die nandatsake be noho ijy abiaby. 3 Ka hoy ijy hoe: '' Jakaiko marina aminareo, ity mpivantotre misotry ty die nandatsake be nohon'ijy abiaby. 4Ijy abiaby die nagnome fagnatitre araky ny haben'ny harenane. Fa itoy mpivantotre toy, tamin'ny sotrine, die nandatsake ny fivelomane manontolo.''5Raha nisy maro mivoria momba ny tempoly, fa vôhengo vato tsara tarehy sy fagnatitre ijany, die hoy Ijy hoe:6 ''Fa ny amin'ireo raha hitanareo reo mbola ho avy ny andro ijay tsy hisy na vato raike aja hijanogna amin'ny hafa ka tsy ho ravaina.''7Ka magnotany Anajy andreo nagnano hoe: '' Ry mpampianatre amin'ny vena ny raha reo?'' 8Jesôsy namaly hoe: '' Manôvatsara mba tsy ho vôfitake anareo. Fa rahabe no avy amin'ny agnarako, hagnano hoe: 'Iaho no ijy die,' Efa marivo ny fotôgna.' Aja magnarake andreo.9 Laha maheno ady sy fikomiana anareo, die aja mangoaigna, fa ireo raha reo die tsy mentsy hitranga aloha, fa ny farane die tsy hitranga eo noho eo.''10Die hoy Ijy tamin'dreo hoe: ''Ny firenena die hitsangana hanohitre firenena, die fanjakana hanohitre fanjakana. 11Hisy horohoron-tany goavambe, ary mosary sy areti-mandringana agny amin'ny toerana samihafa. Hisy tranga mampangoaigna ary famantarana lehibe avy agny an-dagnitre.12Fa melohan'ireo raha abiaby reo, die hanambotre anareo ao amin'ny synagoga sy ny figadrana, hitondra anareo eo anatrehan'dreo mpanjaka sy areo mpanapake nohon'ny agnarako.13 Ijany die hagnome fahafahana ho amin'ny fijoroanareo vavolombelogna.14Noho ijany die manapa-kevitre ao am-ponareo mba tsy hagnomagna ny fiarovanareo melohan'ny fotôgna,15 fa Iaho hagnome jaka sy fahendrena anareo ijay tsy afake toherina sy andavan'ireo mpanohitre anareo.16Fa anareo koa die ho atolotry ny Iaba amin'endre, ireo ralahy, ireo havana sy ireo akama, die ijy reo die hamono ho faty ny saragne aminareo.17 Ho halan'ny tsirairay noho ny agnarako anarako Ianareo.18 Fa tsy hisy ho very na die singam-bolo raike eo amin'ny lohanareo aja.19 Amin'ny faharetanareo no hamonjenareo ny fagnahinare.20Raha hitanareo vôdidigna miaramila Jerosalema, die fantaro fa efa mariny ny faharavany.21 Die ôka ireo ijay agny Jodia hilefa agny an-tendrombohitre, die ôka ireo ijay agny ampovôn'ny tanàna henga, die aja akena miditre ao ireo ijay agny ambanivolo. 22Fa ireo no andron'ny valifaty, mba ho tanterake ireo raha abiaby efa vôsoratre.23Loza ho an-dreo ijay mitondra vahôke sy ho an'reo mampinono amin'ijay andro ijay! Fa hisy fahoriana lehibe eo amin'ny tany, die havignirana amin'io fokn'olo io.24 Ho lavon'ny sabatre andreo die hi ndôsina ho babo agny amin'ny firenena manontolo, die Jerosalema die ho vôhosihosin'ireo Jentilisa, mandrapaha-tanteraka ny andron'ny Jentilisa.25Hisy famantarana egny amin'ny masoandro, egny amin'ny volagna sy egny amin'ny kintagna, ary eto an-tany. Ho tra-pahoriana ireo firenena, hitaintaigna nohon'ny eron-dranomasina sy ireo onja.26 Hisy lelahy ho toragna ny fahzngoaignana sy ny fiandiasana ny raha ijay ho avy eto an-tany. Fa ho vôhojongojogna ny herin'ny lagnitre.27Avy eo die ho hitan-dreo ny Zanak'olo tonga egny ami'ny rahogna miarake amin'ny hery sy voninahitre lehibe. 28Fa laha manomboke mitranga reo raha reo, die mitsangana ary hasandrato ny lohanareo, satria efa mariny ny fagnafahana anareo.''29Nagnano fagnoharana tamin'dreo Jesôsy hoe: ''Jahao ny hazon'aviavy, sy ny hazo abiaby.30 Rehefa manaroke ireo, die ho hitanareo manokana fa efa mariny ny lohataogna.31 Hôtra ijany mandy koa, rehefa hitanareo mitranga ny raha ireo, die fantatrareo fa efa mariny ny fanjakan'Andriamanitre.32Jakaiko aminareo, marina tegnane, ity taranaka ty die tsy ho faty mandra-pisehon'ny raha ireo. 33Ny lagnitre sy ny tany die ho levogna, fa ny jakako die tsy ho levogna mandrakizay.34Fa manôvatsara amin'ny tegnanareo, mba tsy ho vesaran'ny vokatry ny finomana sy hamamoana ny fonareo sy ny ahiahi'ny fiaignana. Ka avy eo die hikatogna tampoke amina'reo hôtran'ny fandrike ijany andro ijany. 35Fa ijany die ho tonga amin'ny kiraidraike ijay miaigna agneragnan- tany.36Fa mba mahigna amin'ny fotôgna abiaby, mivavaha mba ho ampy hery anareo handresena ireo raha abiaby ijay hibôke, ary hitsanganana eo anatrehan'ny Zanak'olo.37Ka nandritre ny andro die nampianatre tao amin'ny tempoly Ijy, die ny aligna die nandeha nivôke Izy die nijanona teo an- tendrombohitr'Oliva.38 Ny vahôke abiaby die tonga vô mandraim-be mba hiteno Ajy tao amin'ny tempoly
Chapter 22

1Ary efa antomotre ny Firavoravoana amin'ny Mofo tsy misy lalovaigna, ijay antsovana hoe Paka. 2Niady hevitra ireo lohan'ny mpisorogna ay ireo mpanora-dalagna ny amin'ny fomba afahan-dreo mamono an'i Jesôsy, satria natahotra ny olo areo3Avy eo Satana niditre tamin'i Jodasy Iskariota, ijay raike tamin-dreo roa ambin'ny folo. 4Jodasy nandeha nenga agny amin'ireo lohan'ny mpisorogna sy ireo kapiteny ary niady hevitra tamin-dreo ny amin'ny fomba hamadihany an'i Jesôsy eo amin-dreo5Faly areo, ary nagneke ny hagnome vola an'ajy. 6Nagneky ijy, ary nandrembe kendry tohigna ma hanolorany an'Ajy eo amin-dreo lavitry ny vahôke.7Avy ny andron'ny mofo tsy misy lalovaigna, ijay tsy mentsy hanôvana sorogna ny janak'ondrin'ny Paka. 8Jesôsy nagniraka an'i Petera sy Jaona, nagnano hoe:" Mandihana ary omano ho antsena ny sakafon'ny Paka, mba hahafahantsena mihinagna ijany." 9Ijy ireo nagnotany an'Ajy hoe:" Aja no tianao hanôvanay ny fagnomagnana?"10Namale an-dreo Ijy hoe:" Tenoy, laha miditre ny tanana anareo, die hisy lelahy raike mitondra sinin-drano hifanepake aminareo. Magnaraha an'ajy agny amin'ijay tragno idirany.11 Die Jakay ny tompon-tragno hoe:' Ny mpampianatre milaja aminao hoe:" Aja ny efi-tragno fandresam-bahiny, ijay hihinanako ny hanin'ny Paka miaraka amin'ireo mpianatro?''12Ijy hagnatoro anareo efitragno ambony rihagna lehibe misy fanake. Atôvy ao ny fagnomagnana." 13Koa die nandeha areo, ary nahita ny raha abiaby arake ijay nojakaine tamin-dreo. Ary nagnomana ny hanin'ny Paka areo.14Laha avy ny fotôgna, die nipetrake niarake tamin'ireo apostoly Ijy. Die nijaka tamin-dreo Ijy hoe:" 15Nagniry mafy ny hihinagna itoy Paka itoy miarake aminareo Iaho mialohan'ny hijaliako. 16Fa jakaiko aminareo, tsy hihinagna itoy koa Iaho, mandra-pahatanterak'ijany any amin'ny fanjakan'Andriamanitra17Die nandray kapôke Jesôsy, ary laha nisaotre Ijy, die nagnano hoe:'' Reso itoy, ary jarao aminareo. 18Fa jakaiko aminareo, tsy hisotro ny vokatry ny vôloboka koa Iaho, mandra-pahatongan'ny fanjakan'Andriamanitra19Die nandray ny mofo IJy, ary laha nisaotre, die notapahiny ijany, ary nomene an-dreo,die nijaka hoe:'' Itoy ny vatako ijay omena ho anareo. Atôvy ijao ho fahatsiarovana an'Ahe."20 Noresine hôtran'ijany koa ny kapôke laha vita ny sakafo, die hoy Ijy hoe:" Itoy kapôke itoy die ilay fagnekena vaovao ami'ny rako, ijay narotsaka ho anareo.21Fa mitandrema. Ilay raike ijay hamadike an'Ahe die miaraka amin'Ahe eto an-databatra.22 Fa ny janak'Olo mandeha tokôtre arak'ijay vôtendre. Fa lojan'ijany lelahy ijay hamadika an'Ajy Ijane!23 Nanomboke nifapanontagny areo ny amin'ny raike amin-dreo ijay mete hanao an'ijane.24Die nisy fifandirana nitranga koa teo amin-dreo momba ijay heverina ho lehibe indrindra amin-dreo. 25Nijaka tamin-dreo Ijy hoe: Ireo mpanjakan'ny Jentilisa die tompon-dreo, ary ireo ijay managna fahefana amin-dreo die atao ho hôtrin'ireo ijay magnano tsara ho an'ny vahôkane.26Fa tsy hôtran'ijany mihintsy ny aminareo. mifanohitre amin'ijane, ôka ijay lehibe indrindra aminareo ho lasa hôtrin'ny bitika indridra, ary ôka ijay manan-danja indrindra ho tonga hôtrin'ny manompo. 27Fa ija no lalo lehibe, ijay midoboka amin'ny latabatra, sa ijay manompo? Tsy ijay midoboka eo amin'ny latabatra ve? Kanefa Iaho eto aminareo hôtrin'ny raike ijay manompo28Fa anareo no olo ijay nanohy niaraka tamin'Ahe tao amin'ny fakam-pagnahy nanjo an'Ahe. 29Omeko fanjakana anareo, hôtrin'Iabako koa ijay nagnome fanjakana ho an'Ahe, 30mba ho afake hihinagna sy hinogna eo an-databatro any amin'ny fanjakako anareo, ary hidoboka eo amin'ny seja fiandrianana hitsara ny fokon'ny Isiraely roa ambin'ny folo anareo31Simona, Simona, mitandrema, mandrembe ny hahajo anareo Satana, mba afahany manivagna anareo hôtrin'ny vary.32 Fa nivavaka ho anao Iaho, mba tsy ho faty ny finoanao. Aorian'ny hiverenanao indraike, die ampaherejo ireo rahalahinao.''33Petera nijaka tamin'Aje hoe:" Tompo, vonogna hiarake Aminao iaho na agny andranomejigna na ho agny amin'ny fahafatesana.''34 Jesôsy namaly hoe:" Jakaiko aminao, ry Petera, tsy haharegne ny akoho amin'ijay andro ijay, mialohan'ny handavanao an'Ahe intelo hoe mahafantatre an'Ahe anao."35Die nijaka tamin-dreo Jesôsy hoe: "Laha nandefa anareo tsy niarake tamin'ny fitoeram-bola, kitampom-batsy, na kiraro Aho, nisy raha tsy ampe anareo ve?" Namale areo hoe:" Tsy nisy". 36Die nijaka tamin-dreo Ijy hoe:" Fa iaho, ijay managna fitoeram-bola, ôka ijy hangala an'ijany, na kitapom-batsy mandy koa. Ijay tsy managna sabatra die tokone hivarotre ny lambane ary hivanga raike.37Fa iaho mijaka aminareo, ijay vôsoratre momba an'Ahe die tsy mentsy tanterake:' Ijy die noresine hôtrin'ny raike amin'ireo tsy magnara-dalana.' Fa ijay nojakaina mialoha momba an'Ahe die efa ho tanterake."38 Die nijaka areo hoe:" Tompo, jereo! Itoy misy sabatra roe." Ijy nijaka tamin-dreo hoe: "Ampy ijay.''39Tao afaran'ny sakafo, die nandeha Jesôsy, hôtrin'ny fataony matetike, tagny an-tendrombohitr'Oliva, ary nagnarake an'Aje ireo mpianatre. 40Laha avy areo, die hoy Ijy tamin-dreo:" Mivavaha mba tsy hidiranareo amin'ny fakam-panahy."41Niala teo amin-dreo teo ho eo amin'ny indraike mitora-bato Ijy, die nandohalike Ijy ary nivavake, 42nagnano hoe." Ray ô, laha sitrakao die alay amin'Ahe itoy kapôke itoy. Na ijany aja tsy ny sitrako, fa ny anao no hatao."43Die nisy anjely avy agny an-dagnitre nibôke tamin'Aje, nampahery an'Aje. 44Tao agnatin'ny fangirifiriana, nivavake tamin-kafanam-po mafy loholoho Ijy, ary ny hatsembohany die lasa hôtrin'ny ra nitete tamin'ny tamin'ny tane.45Ary laha nitsangagna avy nivavake Ijy. die nenga agny amin'ny mpianatre, ary nahita an-dreo nandre nohon'ny alahelon-dreo, 46ka nagnotane an-dreo hoe:'' Nahôna no mandre anareo? Mitsangana ary mivavaha, mba tsy hidiranareo amin'ny fakam-pagnahy."47Laha mbola nijaka Ijy, indro, nisy vahôke nibôke, niaraka tamin'ny Jodasy, raike amin-dreo roa ambin'ny folo, nitarika an-dreo. Nagnakeke an'i Jesôsy ijy mba hagnoroka an'Aje, 48fa Jesôsy nijaka tamin'ajy hoe:" Jodasy, mamadika ny Janak'olo amin'ny oroka ve anao?"49Laha nahita ny java-nitranga areo ijay nagnodidigna an'i Jesôsy, die nijaka areo hoe:" Tompo, tokony hamele amin'ny sabatre ve ahay? 50Avy eo ny raike tamin-dreo namele ny mpanompon'ny mpisoronabe, ary nanapake ny sofigne havanagna, 51Jesôsy nijaka hoe:"Ampe ijay!" Nokasihiny ny sofigny, ary nositraniny Ijy52Jesôsy nijaka tamin'ny lohan'ny mpisorogna, tamin'ireo kapitenin'ny tempoly, ary tamin'ireo loholona ijay avy hanohitra an'Aje hoe:" Avy hôtrin'ny hanambotra mpangalatre ve anareo, miarake amin'ny sabatre sy antsy be? 53Tamin'Iaho niaraka taminareo isan'andro tao an-tempoly, tsy nanambotra an'Ahe anareo. Fa ijao no leranareo, sy fahefan'ny menjigna.54Teo am-panamborana an'Aje, die notarihin-dreo Ijy, ary nindôsine tagne an-dragnon'ny mpisoronabe. Fa Petera nagnaraka laha tegny lavidavitre.55 laha avy nampirehitra afo teo agnivon'ny tokontany ary niara-nidoboke areo, die nidoboke teo agnivon-dreo Petera.56Nisy mpanompo vavy raike nahita an'Aje laha nidoboke teo amin'ny fahajavan'ny afo ijy, ary nijaha mahitsy an'aje sy nijaka hoe:" Itoy lelahy koa niaraka tamin'aje". 57Fa Petera nanda an'ijany, nijaka hoe:" Raviavy tsy fantatro Ijy." 58Afaka kelikely die nisy olo hafa nahita an'ajy, ary nijaka hoe:" Anao koa raika amin-dreo.: Fa Petera nijaka hoe:" Ralelahy tsy ijy aho."59Laha afake adiny raike teo ho eo die nisy lelahy hafa nanijingijigna sy nijaka hoe:"Marina fa niaraka tamin'aje koa itoy lelahy itoy fa ijy die Galiliana." 60Fa Petera nijaka hoe:" Ry lelahy, tsy fantatro ijay jakainao." Teo no ho eo, laha mbola nijaka ijy, die nisy akoho nagneno.61Niherika, ny Tompo nijaha an'i Petera, ary Petera nahatsiaro ny jakan'ny Tompo, tamin'ny nijakany tamin'ajy hoe:" Alohan'ny hagnenoan'ny akoho androany die handa an'Ahy intelo anao." 62Nivôka tany ivelagne Petera ary nitomagny mahare.63Ary ireo lelahy niambigna an'i Jesôsy die nagnanihany ary nandamoke an'Aje. 64Nasian-dreo sarogna Ijy ary nagnotane an'Aje areo, nijaka hoe:" nijaka hoe: "Maminania! Ija ilay olo ijay nandraboka anao? 65Nijaka raha hafa maro hanohitre an'i Jesôsy areo, nijaka ratsy an'Aje.66Laha vô najava ny andro, die niara-niangogna ireo loholona, ny lohan'ny mpisorogna sy ny mpanora-dalana. Nindôsin-dreo tagny amin'ny Synedriona Ijy ary 67nijaka hoe: " Laha Anao no Kristy, die Jakay aminay." Fa Ijy nijaka tamin-dreo hoe:" Laha ho jakaiko aminareo, die tsy hino anareo",68 ary hagnotany anareo Iaho, die tsy hamaly anareo.69Fa manomboka ijao, ny Janak'olo die hipetrake eo an-tagnana akavanan'ny herin'Andriamanitra." 70Ijy abiaby nijaka hoe:'' Die Janak'Andriamianitra ijany Anao?" Jesôsy nijaka tamin-dreo hoe:" Vôlajanareo fa Iaho no Ijy." 71Areo nijaka hoe:" Nahôna no mbola mila vavolombelogna antsena? Fa antsena mihitsy no naharegne avy tamin'ny vavany."
Chapter 23

1Nitsangagna ny olo manontolo tamin'ijy ireo, ary nitondra an'i Jesôsy teo alohan'ny Pilato. 2Nanomboka niepanga Anajy ijy ireo, nijaka hoe: "Hitanay toy lelahy toy nametaveta ny firenenanay, nandrara ny hagnomejana ny hetra ho an'i Kaisara, ary nilaja fa Ijy tegnany mihitsy no Kristy mpanjaka."3Pilato nagnotany Anajy, nijaka hoe: "Anao ve no mpanjakan'ny Jiosy?" Jesôsy namaly anajy ary nijaka hoe: " Vôlajanao." 4Pilato nijaka tamin'ireo lohan'ny mpisorogna sy ireo vahôka hoe: "Tsy mahita fahadisôna amin'itoy lelahy toy aho." 5Fa bola nagnijingijigna ijy ireo, nijaka hoe: "Magnakorontagna ny vahôka io, mampianatra eran'ny Jodia manontolo, manomboka lahatagny Galilia ka zisik'etoy amin'ny toerana toy egny jao.6Ka laha efa regnin'i Pilato ijany, die nagnotany ijy laha toa ka Galiliana ilay lelahy. 7Laha efa hitany fa tao ambany fahefan'i Heroda Ijy, die nampegainy Jesôsy nandeha amin'i Heroda, ijay tagny Jerosalema mandy koa tamin'ijany andro ijany.8Laha efa hitan'i Heroda Jesôsy, die tena falifaly ijy, satria efa te-hahita Anajy hatry ny ela. Nandregny ny momba Anajy ijy ary nagnantegna hahita fahagagana rahabe namboariny.9 Heroda nagnotany an'i Jesôsy tamin'ny jaka rahabe, fa Jesôsy tsy namaly anajy na ino na ino taminajy. 10Ireo lohan'ny mpisorogna sy mpanora-dalàna nitsangagna, nempanga mafy Anajy.11Heroda sy ireo miaramilany nanevateva an'i Jesôsy sady nagnesoeso Anajy. Aviteo die nampekanjo Anajy akanjo tsara ijy ireo ary nalefandreo niverigna tagny amin'i Pilato Ijy. 12Fa i Heroda sy Pilato die nanjary mpekama tamin'ny andron'io (talohan'ijay die sakay sy maso areo)13Aviteo Pilato nangaika ireo lohan'ny mpisorogna sy ireo mpanapaka ary ireo vahôka rahabe niaraka, 14ary nijaka tamin'ijy ireo hoe: "Nindôsinareo teto aminahy itoy lelahy toy, tahaka ny lelahy ijay mitarika ny olo nagnano ratsy, ary jereo, iaho, laha nagnotany Anajy teo agnatrehanareo, die tsy mahita fahadisôna amin'itoy lelahy toy momba ireo raha ijay nempangana Anajy.15Tsiary, na die Heroda aja, satria nampodiny niverigna tatoy amintsena Ijy, ary jereo, tsy misy na ino na ino ijay mendrika fahafatesana vitany. 16Noho ijany die hifejiko Ijy, ary ho havozotrako Ijy." 17[Fagnamarihana: ireo fandikana tsara indrindra die tsy magnisy ny And 17 hoe: Ary Pilato die vôtery namosotra gadra raike hôn'ireo Jiosy tamin'ny andro firavôravôna.]18Fa niaraka nihiekeka mahare ijy ireo, nagnano hoe: "Indôsy agny io lelahy io, ary avotory hônay i Barnabasy!" 19Barnabasy die lelahy raika ijay naiditra am-ponja nohon'ny fikomena rahabe tao an-tanàna sy famonôna olo.20Ary nijaka tamin'ijy ireo indraika koa i Pilato, nagniry ny hagnafaka an'i Jesôsy. 21Saingy nitabataba mahare ijy ireo, nijaka hoe: "Homboy Ijy, homboy Ijy" 22Nijaka tamin'ijy ireo mpagnitelony ijy hoe: "Nahôna, fa ino ny ratsy vitan'itoy lelahy toy? tsy nahita na ino na ino ijay magneva ho sajy famonôna tao amin'Ajy aho. Noho ijany laha efa avy magnafay Anajy, die hagnavela Anajy aho."23Fa ijy ireo nangijinginjigna tamin'ny feo mahare, nangataka Anajy ba hombohana. Ny feon'ijy ireo die nandresy lahatra an'i Pilato. 24Ka die nanampa-kevitra ny hagneky ny fangatahan'ijy ireo i Pilato. 25Navosotrany ilay raika nangatahin'ijy ireo ijay nalefa tagny am-ponja nohon'ny fikomena sy famonôna olo. Fa nameny hômin'ny sitram-pon'ijy ireo Jesôsy.26Ary teo ampitodrana Anajy ijy ireo, die nitagna an'i Simona avy agny Syrenia, ijay avy agny ambanivolo, ary nabelan'ijy ireo teo aminajy ny hajofijalena ba hindany, nagnaraka an'i Jesôsy.27Rahabe tamin'ireo vahôka, sy ireo viavy ijay nalahelo mafy sy nisaogna Anajy, no nagnaraka Anajy. 28Fa laha niherika tagny amin'ijy ireo, die nijaka Jesôsy hoe: "Ry janaka vavin'ny Jerosalema, aja mitomagny Anahy, fa mitomagnia hôn'ny tegnanareo sy hôn'ny ireo janakareo.29Fa indro ho avy ny andro hijakan'ijy ireo hoe: 'Sambatra ireo momba sy ireo kibo ijay tsy niteraka, ary ny nono ijay tsy nampinono jaja.' 30Ary die nanomboka nijaka amin'ireo tendrombohitra ijy ireo hoe: 'Milavoà aminajy,' ary amin'ny havôna hoe: "Mandrakofà anay." 31Fa laha magnano ijany raha ijany ijy ireo laha bola metso ny hajo, ino ny hitranga raha efa maigna ijany?"32Nisy lelahy hafa, olon-dratsy rolahiteo, nindao niaraka tamin'Ajy ba hivonina.33Laha efa avy teo amin'ny toerana raika ijay antsoina hoe "Ikarandoha" ijy ireo, die teo no nagnembohandreo Anajy, sy ireo olon-dratsy. Ny raike teo amin'ny ankavanany ary ny iray teo amin'ny ankaviany. 34Jesôsy nijaka hoe: "Ray ô, mamelà anajy ireo, fa tsy fantatrijy ireo ijay ataony." Aviteo die niloka ijy ireo, nijarajara ireo fitafenè.35Die nijoro nijaha teo ireo olo raha bola nagnagnihagny Anajy koa ireo mpanapaka, nijaka hoe: "Namonjy ireo hafa ijy. Abilay ijy hamonjy ny tegnany, laha Ijy no Kristin'Andriamanitra, ilay raika vôfidy36Ireo miaramila hiany koa die nagnala baraka Anajy, nagnantogna Anajy, nagnome Anajy vinaingitra, 37ary nijaka hoe: "Laha Anao no mpanjakan'ny Jiosy, vonjeo ny tegnanao." 38Nisy famantarana ihiany koa teo amboniny hoe: "Itoy no mpanjakan'i Jiosy."39Ny raika tamin'ireo olon-dratsy ijay nihantogna teo no namingavinga Anajy tamin'ny nijakany hoe: "Tsy Anao ve no Kristy? Vonjeo ny tegnanao sy ijahay." 40Fa ny raika nijaka mahare, nagnano hoe: "Tsy ba matahotra an'Andriamanitra ve anao, raha samy ambanin'ny fagnamelohana mitovy mandy? 41Antsena die eto araky ny rariny tokôtre , satria mandray ijay mendrika ny ansantsena antsena. Fa itoy lelahy itoy tsy nagnano raha ratsy."42Aviteo ijy nijaka hoe: "Jesôsy ô, tadidio aho laha avy agny amin'ny fanjakanao Anao." 43Jesôsy nijaka taminajy hoe: "Lajaiko marina aminao, fa niany anao die hiaraka Aminahy agny amin'ny Paradisa."44Ary ora faha-enina teo ho eo tamin'ijany, ary ny hejigna avy nandrakotra ny tany manontolo hatramin'ny ora fahasivy 45laha nihamejigna ny hajavan'ny masoandro. Aviteo ny lamban'ny tempoly die nijara avy teo agnivo.46Nihiekeka tamin'ny feo maharé, Jesôsy nijaka hoe: "Ray ô! eo antagnanao no agnavilako ny fagnahiko." Laha efa avy nijaka anijany, die maty Ijy. 47Laha hitan'ny kapiteny ny raha nitranga, die nagnome voninahitra an'Andriamanitra ijy, nijaka hoe: "Ajo antoka tokoa fa olo marina itoy lelahy itoy."48Laha efa hitan'ireo vahôka manontolo ijay niaraka avy ho vavolombelogna hagnatri-maso ireo raha nitranga ireo, die nimondy nitehi-tratra ijy ireo. 49Fa ireo rehetra ijay nahafantatra Anajy, sy ireo viavy ijay nagnaraka Anajy avy agny Galilia, die nitsangagna tegny alavidavitra, nijery anijany raha ijany.50Ary indro, nisy lelahy raika angihina hoe Josefa, ijay mpikambagna tao amin'ny Synedriona. Olo tsara sady marina ijy. 51Io lelahy io die tsy nagneky ny fanapaha-kevitry ny Synedriona sy ny asan'ijy ireo. Avy lahatagny amin'ny tanànan'ny Jodiana tagny Armatia ijy; ary ijy die nandremby ny fanjakan'Andriamanitra.52Io lelahy io, laha nagnantogna an'i Pilato, die na gataka ny vatagnan'i Jesôsy. 53Nalainy nidigna ijany, nirakofany hariry madinika, ary nabelany tao agnaty fasagna raika ijany nivakina tamin'ny vantolampy, ijay tsy bola misy olo nalevigna mihitsy.54Androny fiomagnana tamin'ny ijany, ary bola najava ratsy ny sabata. 55Ireo viavy, ijay niaraka tamin'i Jesôsy niala tao Galilia, die nagnaraka avy tao afara ary nahita ny fasagna sy ny fomba nametrahana ny fatiny. 56Nimpody areo, ary nagnomagna raha magnitra sy menaka magnitra. Ary tami 'ny Sabata die nijanogna ijy ireo araka ny didy.
Chapter 24

1Vô mandraigna tamin'ny andro vôlohan'ny herinandro, die nandeha any amin'ny fasagna areo, nitondra ireo raha-magnitra ijay nokarakarain'dreo.2 Hitan'dreo nikodiadia lavitry ny fasagna ilay vato.3 Niditra tao areo, kanefa tsy nahita ny vatagnan'ny Tompo Jesôsy.4Ary, laha bola sahiran-saigna moban'ijany areo, tampoka teo, die nisy lehilahy rolahiteo nambôtra fitafena mangirangiragna nitsangagna teo agnilan-dreo. 5Ary laha feno tahotra saroke viavy die niankohoke tamin'ny tany, nijaka tamin'ny viavy abiaby io areo hoe:" Nahôna anareo mandremby ny velogna atoy amin'ny mate?6Tsy ato ijy, fa efa nitsangagna! Tadidio ny nilajainy anareo tamin'ijy bola tagne Galilia,7nagnambara fa ny janak'olo die tsy mentsy hatolotra ho eo an-tagnan'ny olo mpanota ka hofantsihina eo hajo fijalena, ary amin'ny andro fahatelo die hitsangagna indraike."8Ireo viavy die nahatsiaro ny raha nijakaine,9 ka niverigna avy tagny amin'ny fasagna ary nilaja io raha rehetra io tamin-dreo iraika ambin'ny folo sy ny ambiny aby. 10Ary Mary Magdalena, Johanna, Mary endrin'i Jakoba, ary ireo viave hafa niarake tamin'aje die nitatitra an'ijay raha ijay tamin-dreo apostoly11Fa ijane hafatre ijany die hôtran'ny tsy nisy dikany tamin-dreo apostoly, ka tsy nino an-dreo viave areo. 12Kanefa nitsangagna Petera, die nihajakajaka nandeha amin'ny fasagna, ary niondrika sy nijery tao, die nahita lambam-pate nitokagna. Ary Petera nody tagny an-dragnone, nagnotany tegna amin'ijay java-nitranga.13Io, ny rolahiteo tamin-dreo nandeha tamin'io andro io ho agne amin'ny tanàna atao hoe Emaosy, ijay enimpolo stadio kilômetatre miala an'ny Jerosalema. 14Areo die nivoria momban'ny raha rehetra ijay nitranga.15Ary, laha niara-nivoria sy niara-nametra-pagnotanena areo, die magnan tonga sy nandeha niaraka tamin-dreo Jesôsy. 16Fa ny mason-dreo die nisakanana ba tsy hahafantatre anaje.17Jesôsy nijaka tamin-dreo hoe: " Ino no vorianinareo roa atoy am-pandihanana?" Die nijanogna areo sady nalahelo endrike. 18Ny raiky tamin-dreo nangihana hoe Kleopasy, namaly an'ajy hoe: " Anao rerika ve ny olo tao Jerosalema tsy nahafantatre ny java-nitranga tagny tamin'ijany andro ijane?19Jesosy nijaka tamin-dreo hoe: "Raha ino?" Areo namaly anajy hoe: " Ny raha mahakasika an'i Jesosy avy agny Nazareta, ijay mpaminagny, nahery tamin'ny asa sy ny jaka rehetra teo alohan'Andriamanitra sy ny olo rehetra, 20ary ny fomba nanolorany ny lohan'ny mpisorogna sy ny mpanapaka Anaje ba hihelohina ho maty sy ny nagnomboana an'Ajy teo.21Kanefa ahay nagnantegna fa ijy no hagnafaka an'Israely. Eke, ary ankotran'ijany rehetra ijane, telo andro niany ijao no nitrangan'ijany javatra ijane.22Nefa koa, ny viave sasagny tamin'ny akamanay die nahavariegna anay, ijay tagny amin'ny fasagna bola mandraigna. 23Laha efa tsy nahita ny vatagny areo, die tame, nijaka fa areo koa die nahita fahitana anjely ijay nilaja fa velogna ijy. 24Ny lelahy sasagny ijay niaraka taminay die nenga tagny amin'ny fasagna, ary nahita an'ijany araka an'ijay vôlajan-dreo viave.25Jesôsy nijaka tamin-dreo hoe: "Ry lelahy môla sy votsa saigna vô mino ireo rehetra vôlajan'ny mpaminagny! 26Moa ve tsy nilaina ho an'i Kristy ny nijaly tamin'ireny raha ireny, ka hiditra agny amin'ny voninahine?" 27Ary nanomboka tamin'i Mosesy ka hatram'ireo mpaminagny rehetra, die nadikan'i Jesôsy tamin-dreo ao amin'ny Soratra Masina ny momba ny tegnany.28Laha narivo ny tanàna ijay nalehany areo, die naneho fihetsika hôtran'ny hoe handeha lavidavitra Jesôsy. 29Fa nanery an-dreo, nijaka hoe: " Nijanogna eto aminay, f'efa ho hariva ijao ary efa hifaragna ny andro." Ka niditra ba hijanogna niaraka tamin-dreo Jesôsy.30Ary, rehefa nitoboka ba hiaraka hihinagna tamin-dreo ijy, die nangala ny mofo,nisaotra an'ijane, sy namaky an'ijane, ary nagnome an'ijany an-dreo. 31Avy eo nisokatra ny mason-dreo, ka hahafantatra anaje, ary nanjavogna ta'mason-dreo ijy. 32Areo nifampijaka hoe: " Moa ve ny fon-tsena tsy niredareda tao agnatin-tsena, raha nijaka tamin-tsena tan-dalagna ijy, raha nanokatra ny soratra Masina tamin-tsena ijy?"33Nitsangagna areo tamin'io ora io, ka niverigna tagny Jerosalema. Nahita an'reo iraika ambin'ny folo niara-nivory areo, sy ireo ijay niaraka tamin-dreo, 34nijaka hoe: "Ny Tompo die nitsangagna tokôtre, ary niseho tamin'i Simona." 35Ka nijakain-dreo ijay javatra nitranga tegny an-dalagna, sy ny fomba nisehôn'ny Jesôsy tamin-dreo tamin'ny fanapahana ilay mofo.36Raha nijaka ijany javatra ijany areo, die nijoro ta'gnivon-dreo Jesôsy tegnane, ary nijaka tamin-dreo hoe: " Fiadanana anie hô'nareo." 37 Saingy taitra sy raiki-tahotra areo ary miheritra fa nahita fagnahy.38Jesôsy nijaka tamin-dreo hoe: " Nahôna anareo no matahotre? Nahôna no misy fagnotanena ao am-ponareo? 39Jereo ny tagnako sy ny hongotro, fa aho tegnako itoy. Kasiho aho ka jereo. Fa ny fagnahy tsy managna nofo sy tôlagna, araka ny ahitanareo Anahy hoe managna." 40Rehefa nijaka ijany ijy, die nasehony tamin-dreo ny tagnany sy ny hongone.41Bola tsy nino an'jany areo nohon'ny hafaliena, ary gaga areo. Jesôsy nijaka an-dreo hoe: " Managna hohanina ve anareo?" 42Nomen-dreo trondro vôtono ijy, 43ka nalainy ijany ary nohaniny teo agnivon-dreo.44Ijy tegnany tamin-dreo hoe: " Tamin'i Aho niaraka taminareo, die nilaja taminareo fa ijay rehetra vôsoratre tamin'ny lalàn'i Mosesy sy ny mpaminagny an-dreo Salamo die tsy mentsy ho tanteraka."45Ary nosokafany ny sain-dreo, ba hajahôn-dreo ny soratra Masina. 46Nijaka an-dreo ijy hoe: " Ijao no vôsoratre, fa ilay Kristy die hijale, ary hitsangagna amin'ny maty indraika amin'ny andro fahatelo. 47Fibebahana sy famelan-keloka no tokony ho torena amin'ny agnarany agny amin'ny firenena rehetra, manomboke ao Jerosalema.48Anareo no vavolombelon'ireny javatra ireny. Itoy, 49halefako aminareo ijay nampagnantenain'ny Raiko. Kanefa mipitraha an-tanàna mandra-pitafenareo ny hery avy agny ambone."50Ary Jesôsy nitarika tamin-dreo mandra-pahatongan-dreo tagne Betania. Nasandrane ny tagnane, ary notahin-dreo. 51Ary, rehefa nitso-drano an-dreo ijy, die nandao an-dreo ijy ary lasa nakarina tagne an-dagnitre.52Die nidera Anajy areo, ary niverigna tagny Jerosalema tamin'ny fifalena lehibe. 53Nitohy nengao amin'ny tempoly areo, nankalaja an'Andriamanitre.

John

Chapter 1

1Tamin'ny vôlohany ny Teny, ary ny Teny tao amin'Andriamanitra, ary ny Teny die Andriamanitra. 2Ijany die tao amin'Andriamanitra tamin'ny vôlohany. 3Ny raha abiaby die avy amin'Ajy Aby koa, ary laha tsy noho Ijy die tsy nisy n'ino n'ino.4Noho Ijy no nisam-piaignana, ary io fiaignana io no fahajavan'ny olo abiaby. 5Ny hajavana die mamiratre ao anaty henjigna, ary ny henjigna tsy nandresy an'ijany6Nisy lelahy raike nirahin'Andriamanitra, Jaona no agnarany. 7Avy ijy mba ho vavolombelogna hagnambara ny momba ny fahajavana, mba hinoan'ny abiaby amin'ny alalany. 8Tsy Jaona ilay fahajavana, fa koja avy mba hagnambara ny momba ilay fahajavana ijy.9Ny fahajavana marina, ijay magnome hajavana ny olo abiaby, die tonga eto amin'ijao tontolo ijao.10Teto amin'ijao tontolo ijao Ijy, ary Ijy no nagnamboarana an'ijao tontolo ijao, ary ijao tontolo ijao tsy nahalala an'Ajy. 11Avy tagny amin'ny olony Ijy, fa ny olony tsy nandray an'Ajy.12Fa ireo maro nandray an'Ajy, ijay nino ny agnarany, die nomene fahefana ho tonga janak'Andriamanitra. 13Ireo die tsy naterake tamin'ny rà, na ny sitrapon'ny nofo, na ny sitrapon'ny olona, fa ny an'Andriamanitra.14Ary ny Teny tonga nofo ka nonigna teo amintsena. Hitanay ny voninahiny, voninahitra hôtran'ilay raike sy tokagna ijay tonga avy tamin'ny Ray, feno fahasoavana sy fahamarinana. 15Jaona nagnambara ny momba an'Ajy ka nihiaka mahare, magnano hoe:" Ijy ilay raike ijay efa nojakaiko hoe:" Ijy ijay avy afarako die lehibe noho iaho, satria talohako Ijy."16Fa avy aminny fahafenoany no nandraisantsena abiaby fahasoavana hagnampy fahasoavana. 17Fa ny lalàna die nomena tamin'ny alalagn'i Mosesy. Ny fahasoavana sy fahamarinana die tonga tamin'ny alalagn'i Jesôsy Kristy. 18Tsy nisy nahita an'Andriamnitra na oviana na oviana. Fa ilay Andriamanitra raike sy tokagna, ijao eo an-tratran'ilay Ray, no nampahafantatra an'Ajy.19Ary ijao no fagnambaran'i Jaona laha nagnirake ireo mpisorogna sy Levita avy tagny Jerosalema henga eo amin'ajy ireo Jiosy mba hagnotany an'ajy hoe:" Ija moa anao? 20nijaka tsotra ijy, ary tsy nandà, namaly hoe: "Tsy Kristy aho. 21Ka nagnotany an'ajy areo hoe:" Ino ary anao ijany? Elia ve anao?" Nijaka ijy hoe: Tsy ijy iaho" Hoy areo hoe:" Anao ve ilay mpaminany?'' Namaly ijy hoe:" Tsiare"22Avy areo nijaka tamin'ajy hoe:" Ija anao, mba hahafahanay magnome valin-teny an'ireo ijay nagnirake anay? Ino no hambaranao momban'ny tegnanao? 23Hoy ijy hoe:" Ijao ilay feo, magnatso mafy agny an'efitra hoe:" Atôvy mahitsy ny lalan'ny Tompo" araka ny vôlajan'Isaia mpaminany."24Ary nisy irake saragne avy amin'ireo fariseo nalefa, 25ary nagnotany an'ajy areo ka nijaka tamin'ajy hoe:" Nahôna ary anao no magnano batisa raha tsy Kristy anao no sady tsy Elia no tsy ilay mpaminany"26Ary Jaona namaly an-dreo , magnano hoe:" Magnano batisa amin'ny rano iaho. Fa eo agnivonareo eo die misy olo raike mijoro ijay tsy fantatrareo. 27Ijy ilay raike ijay avy ao afarako, ijay tsy mendrika an'ahy ny hamaha ny fehi-kapany."28 Ireo raha ireo die natao tagny Betania tagny andafin'i Jordana, ijay nanaovan'i Jaona batisa.29Ny ampitso Jaona nahita an'i Jesôsy nagnatogna anajy ary nilaja hoe:" Jahao, indro ny janak'ondrin'Andriamanitra ijay nangala ny fahotan'ijao tontolo ijao! 30Itoy ilay raike ijay nolajaiko hoe:" Ilay iray ijay avy ao afarako die lehibe noho iaho, satria talohako Ijy" 31Ary iaho tsy nahalala an'Ajy, fa mba ho vôlaja amin'i Isiraely ijy no nihaviako hanao batisa amin'ny rano."32Jaona nagnambara, magnano hoe:" Nahita ny Fanahy nijotso lahatagny an-danitre hôtrin'ny voromamanga iaho, ary nidoboke teo ambonine ijany. 33Tsy nahafantatre an'ajy iaho, fa Ijy ijay nagnirake an'ahe hagnano batisa amin'ny rano nilaja tamin'ahe hoe: Eo ambonin'ijay hitanao hijotsoan'ny Fanahy sy hidobohany eo amin'aje, ijy ilay Masina." 34Sady nahita iaho no nagnambara fa ijy ilay Janak'Andriamanitra."35Ny ampitso, indraike, raha nitsangagna niarake tamin'ny roe amin'ireo mpianane Jaona, 36dia nahita an'i Jesôsy nandeha areo, ka hoy Jaona:" Jahao, ilay Janak'ondrin'Andriamanitra!"37Naharegne an'ajy nijaka an'ijany ireo mpianane roe ka nagnarake an'i Jesôsy areo.38 Avy eo Jesôsy nitodike ka nahita an-dreo nagnarake an'Ajy ka nijaka an-dreo hoe:" Ino no ilainareo?" 39Namale areo hoe:" Raby (ijay midika hoe mpampianatra), aja anao no mipetrake? Namale an-dreo Ijy hoe:" Magnatogna ary jahao." Ary nagnatogna areo ka nahita ny toerana ijay nonegnany; nitoetra niaraka tamin'aje tao areo tamin'io andro io, fa tokony ea ho lera fahafolo tamin'ijay.40Raike tamin'ireo mpianatra roe naharegne an'i Jaona nijaka ary nagnaraka an'i Jesôsy avy eo i Andrea, rahalahin'ny Simôna Petera. 41Nitady an'i Simôna rahalahiny aloha ijy ary nilaja tamin'ajy hoe:" Hitanay ny Mesia" (ijay adika hoe Kristy) 42Nitondra an'ajy tagny amin'i Jesôsy ijy, ary nijaha an'ajy Jesôsy ka nijaka hoe: "Anao die Simôna janak'i Jaona, anao die ho angehana hoe Kefasy" (ijay midika hoe: Petera).43Ny ampitso, laha te-hiala ho agny Galilia Jesôsy, die nahita an'i Filipo Ijy ary nilaja tamin'ajy hoe:" Magnaraha an'Ahy." 44Filipo die avy agny Betsahida, tanànan'i Andrea sy Petera. 45Nahita an'i Natanaela i Filipo ka nijaka tamin'ajy hoe:" Ijy ijay nosoratan'i Mosesy tao amin'ny lalàna, sy ireo mpaminany, hitanay Ijy, die Jesôsy janak'i Josefa, avy agny Nazareta."46Natanaela nijaka tamin ajy hoe:" Moa hisy java-tsoa avy ao Nazareta?" Filipo nilaja tamin'ajy hoe:" Magnatogna ary jahao.47 Jesôsy nahita an'i Natanaela nagnatogna an'ajy ary nilaja ireo mombamomba an'ajy hoe:" Jahao, ijany no tena isiraelita, ijay tsy misy fitaka ao amin'ajy!" 48Natanaela nijaka tamin'Ajy hoe:" Ahôna no hahafantaranao an'Ahy? Jesôsy namale ka nilaja tamin'ajy hoe:" Talohan'ny nangehan' i Filipo anao, laha teo ambanin'ny hajon'aviavy anao, die tsinjoko."49Natanaela namaly hoe:" Raby, anao ilay janak'Andriamanitra! Anao no mpanjakan'Isiraely! 50Jesôsy namaly ka nijaka tamin'ajy hoe:" Satria ve Iaho nijaka taminao hoe:" Nahita anao teo ambanin'ny hajon'aviavy Iaho, no hinoanao? Hahita raha tsara mihôtre noho ijany anao." 51Avy eo ijy nijaka hoe;'' Lajaiko aminareo, marina, die marina tokôtre, fa hahita ny lanitra hisokatre anareo, ary ireo anjelin'Andriamanitra hiakatre sy hijotso eo ambonin'ny Janak'Olona."
Chapter 2

1Telo andro tatoy afara, die nisy fagnengam-bady tao kanà ao Galilia, ary tao Iendrin'i Jesôsy.2 Jesôsy sy ireo mpianatrane die nasaina tamin'ilay fagnengam-bady.3Laha lany ny dovay, die nijaka tamin'i Jesôsy iendriny hoe: "tsy managna dovay areo".4 Die hoy Jesôsy tamin'ajy hoe: ''Raviave, nagnino anao no mandeha amin'ahy atoy? Mbola tsy tonga ny fotôgnako."5 Die hoy iendrine tamin'ireo mpanompo hoe: "N'ino n'ino jakainy aminareo, die amboaro ijane."6Ary nisy siny vato enina teo ijay fampesaina amin'ny andro fisasan'ny Jiosy, mirefy roa hatramin'ny telo metatre aby. 7Hoy Jesôsy tamin-dreo hoe: "Fenoy rano ny siny." Ka nifenoin-dreo hatramin'ny vavany ijany. 8Laha avy teon'igne die hoy Ijy tamin'ireo mpanompo hoe: "Manovoja amin'ijany die indosy agny amin'ny tompon'andraikitry ny fikarakarana." Ka notanterahin-dreo ijany.9Nandraman'ny tompon'andraikitry ny fikarakarana ilay rano nanjary dovay, kanefa tsy nahafantatre ijay nevian'ijany ijy (fa ireo mpanompo nanovo ny rano koja nahafantatre). Avy teon'igne die nangaike ny mpagnenga Ijy10 ary nijaka tamin'ajy hoe: "Ny olo abiaby die manolotre ny dovay tsara heke jay vô ny dovay moramora laha mamo areo. Fa anareo koja nampirigna ny dovay tsara mandrak'ijao fotôgna ijao."11Ijany no famantarana vôlohane namboarin'i Jesôsy tao kanà agny Galilia, ary nagnatoro ny voninahitrane Ijy, die nino an'Aje ireo mpianatrane.12Tafaran'ijay die nidigna ho agny Kapernaomy Jesôsy, iendrine, ireo rahalahine sy ireo mpianatrane ary nijanogna tao andro vitsivitsy areo.13Ary efa mariny ny Paka ny Jiosy, die niakatra tagny Jerosalema Jesôsy. 14Nahita mpivarotr'aombe, ondry ary voromamanga tao am-pengonana Ijy, ary nitoboka tao mandy koa ireo mpanakalo vola.15Noho ijany nagnambôtre karavasy Ijy ka nandrôke an'ajy abiaby hivôkan'ny fengonana, na ny ondry na aombe. Nagnary ny volan'ireo mpanakalo vola Ijy ary nagnatola ny latabatran-dreo.16 Die hoy Ijy tamin'ireo mpivarotra voromamanga hoe: "Indôsy mienga lavitra itoy toerana itoy ireo raha ireo. Ôka jay ny fanôvana ny tragnon'Iabako ho toeram-pivarotana."17Ary tadidin'ireo mpianatrane fa efa vôsoratra hoe: "Ny hasarotam-piaroko ny amin'ny tragnonao no hahafaty an'ahe."18 Avy teon'igne namaly ireo lohandohan'ny mpisorona Jiosy ka nagnano tamin'Ajy hoe: "Ino no famantarana habôkanao anay, mahatonga anao mambôtre iregny raha iregny?" 19Jesôsy namaly hoe: "Arodagny itiky fengonana itiky, fa hatsangagnako agnatin'ny telo andro mandy ijany."20Die hoy ireo mpanapaka Jiosy hoe: "Enina amby efapolo taogna no nananganana itiky fengonana itiky, ka anao ve hahatsangagna an'ajy ao agnatin'ny telo andro?"21 Kanefa, mahakasika ny fengonan'ny tegnane no nivorianine.22 Tafaran'ny nitsanganane tamin'ny maty, die tadidin'ireo mpianatrane fa nijaka ijany ijy, ary nino ny Soratra Masina sy ijany teny nijakain'i Jesôsy ijany areo.23Ary laha tao Jerosalema Ijy tamin'ny andro lagnonan'ny Paka, die rahabe no nino ny agnarane laha nahita ireo famantarana ijay namboarine.24 Fa Jesôsy koja tsy natoky an-dreo noho Ijy nahafantatra tsara an'ajy abiaby,25 satria tsy nandrembe n'ija n'ija hagnatoro amin'Ajy ny mahakasika ny olo Ijy, noho Ijy nahafantatre ny ao agnatin'olo.
Chapter 3

1Ary Fariseo raike angehana hoe Nikodemosy,mpitarika jiosy. 2Nagnatogna an'i Jesôsy tamin'ny andro aligna io lelahy io ary nijaka tamin'Aje hoe:'' Raby, fantatray fa mpampianatra ijay avy min'Andriamanitra anao, satria tsy misy mahefa ireo famantarana amboarinao laha tsy miaraka amin'Andriamanitra."3Die namaly an'ajy Jesôsy nagnano hoe: Jakaiko aminareo marina, die marina tokôtre, fa laha tsy aterake indraike ny olo, die tsy hahita ny fanjakan'Andriamanitra Ijy."4 Nikodemosy nijaka tamin'Ajy hoe:'' Amin'ny fomba ahôna no hiterahana ny olo raike laha efa antitra ijy? Tsy afaka hiditra fanindroany an-kibon'ny endriny ijy hateraka, sa ve afake?"5Namaly Jesôsy hoe:'' Jakaiko aminao marina, die marina tokôtre, fa laha tsy naterake tamin'ny rano sy ny fagnahy ny Janak'olo,die tsy afake hiditre ao amin'ny fanjakan'Andriamanitra ijy. 6Ijay ateraky nofo die nofo, ary ijay ateraky ny Fagnahy die fagnahy7Aja jendagna amin'ijay nijakaiko anao hoe:" Tsy mentsy haterake indraike anareo." 8Ny rivotra mitsoka na aija na aija tiane; regninao ny feony, fa tsy fantatrao ijay niaviany na ijay ombany, Hôtran'ijany aby ijay ateraky ny fagnahy."99Namaly Nikodemôsy ka nijaka tamin'Ajy hoe:"Ahôna ny fomba hahatanterahan'ijany raha ijany?"10 Jesôsy namaly ka nijaka tamin'Ajy hoe:'' Mpampianatra an'Israely ve anao, die mbola tsy ajonao mandy ijany raha ijany? 11Jakaiko aminao, marina die marina tokôtre fa ijay fantatray no vorianinay, ary ahay magnambara ny momba ijay hitanay, kanefa mbola tsy magneke ny fagnambaranay anareo.12Laha nagnambara taminareo ny raha tety an-tane Iaho nefa tsy hinoanareo, amin'ny fomba ahôna no hinoanareo an'Ahe laha hitantara aminareo ny raha misy any an-dagnitra aho? 13Tsy nisy niakatre any an-dagnitre afa-tsy ilay nijotso avy tagny, die ilay janak'Olo ijany.14Ary hôtrin'ny nanandratan'i Mosesy ny bibilava tagny an'efitra, no tsy mentsy hanandratana ny Janak'Olo, 15mba hanagna fiaignana mandraikijay ijay abiaby mino an'Aje.16Fa tena tian'Andriamanitra ijao tontolo ijao, ka nomene ny janagne lahy tokagna, mba tsy ho vere ijay abiaby mino an'Aje fa hanagna fiaignana mandrakijay.17 Fa Andriamanitra tsy nagniraka ilay Janaka lahy ho amin'ijao tontolo ijao mba hagnameloka ijao tontolo ijao, fa mba hagnavotre ijao tontolo ijao amin'y alalagne.18 Ijay mino an'Aje die tsy helohina, fa ijay tsy mino koja die efa voaheloka sahady satria tsy nino ny agnaran'ilay Janaka lahy Raike tokan'Andriamanitra19Ijao no anton'ny fitsarana: tonga teto amin'ijao tontolo ijao ny fahajavana, nefa dia naleon'ny olombelogna ny henjigna hôtran'ijay ny majava satria ratsy ireo asa namboarine.20 Fa ijay abiaby magnano ratsy dia mankahala ny majava ary tsy magnatogna an' ijany mba tsy ho hita miharihare ireo asane.21 Kanefa, ijay manao ny marina die magnatogna ny majava mba ho hita tsara fa ireo asane die namboarina arak'Andriamanitra.22Tafaran'ijay, die nandeha tagny Jodia Jesôsy sy ireo mpianane. Nidoboke fotôgna vitsy tao niaraka tamin-dreo Ijy ary nagnano batisa. 23Ary Jaona koa nagnano batisa tany Ainona akekin'i Saleima satria betsaka ny rano tagne. Nagnatogna an'Ajy ny vahôke ary natao batisa, 24fa tsy mbola nalefa agny an-dragnomejigna Jaona.25Avy eo nisy fifandirana tamin'ny saragne amin'ireo mpianatr'i Jaona sy Jiosy raike momban'ny andro fisasana. 26Nagnatona an'i Jaona areo ka nijaka tamin'ajy hoe:" Raby, Ilay raike niaraka taminao tagny agnilan'ny ranoben'i Joridana, ijay nijakainao, indro manao batisa Ijy, ary magnatogna an'ajy aby ijy abiaby."27Ary Jaona namaly hoe:'' Tsy afake mandray n'ino n'ino ny olo raike laha tsy nomena an'ajy avy agny an-danitra ijany. 28Anareo mandy die efa afake ny vavolombelogna amin'ny jakaiko hoe:' Tsy ilay Kristy Iaho,' fa koja:' Nirahina talohane.'29Ny ampakarina die an'ny mpampakatre. Ary ny akaman'ny mpampakatre, ijay mitsangagna sy miteno an'Aje, die mifale indrindra nohon'ny faharignesana ny feon'ny mpampakatra. Ijany, ary, no mameno ny hafaliako. 30Tsy maintsy mitombo Ijy, fa iaho koja tsy mentsy mihegna.31Ijy ijay agny ambony die ambonin'ny raha abiaby. Ijy ijay avy eto an-tane die avy eto an-tane ary mivoria momba ny eto an-tane. Ijay avy agny an-dagnitre die ambonin'ny raha abiaby. 32Ijy die manambara ny momba ijay hitane sy regnine, kanefa die tsy misy mandray ny fanambarany. 33Ijay nandray ny fanambarany koja die nagnamafy fa marina Andriamanitra.34Fa ijay raike nirahin'Andriamanitra die milaja ny tenin'Andriamanitra. Satria tsy nasiane fetra ny fagnomejana ny Fanahy. 35Ny Ray tia ilay janaka lahy ary nametraka ny raha abiaby teo ampelan-tagnane. 36Ijay mino ilay Janaka lahy die managna ny fiaignana mandrakijay, fa ijay tsy mankato ilay janaka lahy koja dia tsy hahita fiaignana, fa hipetrahan'ny havigniran'Andriamanitra."
Chapter 4

1Ary laha efa fantatr'i Jesôsy hoe regnin'ny Fariseo fa nahajo sy nagnano batisa mpianatra maro noho Jaona Ijy2 ( na die tsy Jesôsy tegnany aja no nagnano batisa, fa ny mpianatrane),3 die niala tao Jodia Ijy ary niverigna nandeha agny Galilia ndraike.4Fa ilaine ny mamakivaky an'i Samaria. 5Ka die tonga tao amin'ny tanàna iray ao Samaria Ijy, angihana hoe Sykara, akeken'ny ampahan-tany ijay namen'i Jakoba an'i Josefa janagne.6Teo ny fangalan-dranon'i Jakoba. Nahatsiaro vijaka tamin'ny dieny Jesôsy ka nipeyraka teo amin'ny fangalan-drano. Tokony teo amin'ny ora fahenina teo.7 Nisy viavy samaritana raike tonga hangala rano, ka hoy Jesôsy taminajy hoe: "Mba omeo rano Iaho hisotroko." Mba omeo rano, ka hoy Jesôsy taminajy hoe: "Mba omeo rano Iaho hinomiko." 8Fa ny mpianany efa lasa agny an-tanàna mba hividy hanigna.9Avy eo hoy ny viavy samaritana tainajy hoe: "Akory anao, ijay Jiosy, no mangataka aminahe, ijay viavy samaritana, rano hinomina?" Fa ny Jiosy tsy misy hifandraisana amin'ny Samaritana.10 Fa Jesôsy namaly ka nagnano taminajy hoe: "Laha fantatrao ny fanomejan'Andriamanitra, sy ijay mijaka aminao hoe: Omeo iaho ho sotroiko,' die anao ndraike no nangataka taminaje, ka omeny rano velogna."11Hoy ny viavy taminajy hoe: "Tompoko, Anao die tsy managna fanovojana ary ny fangalan'drano laligna. Koa aja no hajahônao rano velogna? 12Anao die tsy lehibe, moa ve, noho Jakoba razambentsena, ijay nagnome anay ny fangalan-drano sy nisotro tamin'ijany ny tegnany, hôtrany ny nataon'ny janagny sy ny bibine?"13Jesôsy namaly ka nagnano taminajy hoe: "Ijay rehetre misotro amin'itoy rano itoy die mbola hangetaheta ndraike,14 fa n'ija n'ija minogna amin'ny rano ijay homeko anajy die tsy hangetaheta mandrakijay. Fa koja, ny rano ijay homeko anajy die ho tonga loharano miboiboike ao agnatine, ijay mitondra agny amin'ny fiaignana mandrakijay. Fa koja, ny rano ijay homeko an'ajy die ho tonga loharano miboiboike ao agnatine, ijay mitondra agny amin'ny fiaignana mandrakijay."15Hoy raviavy taminajy hoe: "Tompoko, omeo ijany rano ijany iaho mba tsy hangetaheta sy ho tonga hangala rano eto koa." 16Hoy Jesôsy tami-raviavy hoe: "Mandehana, antsovy ny vadinao, die miveregna atoy."17Namaly ny viavy ka nijaka tamunajy hoe: "Tsy manambady iaho." Namaly Jesôsy hoe: "Marina ny vôlajanao hoe: 'Tsy manambady iaho,18 'fa efa nanambady indimy anao, ary ny raika ijay hipetrahanao amkehitriny die tsy mbola vadinao. Marina ijay vôlajanao."19Hoy raviavy taminajy hoe: "Tompoko, hitako fa mpaminagny Anao.20 Ny razantsena nivavaka teto amin'itoy tendrombohitre itoy, kanefa anareo magnambara fa Jerosalema no toerana tokony hivavahan'ny olo."21Hoy Jesôsy taminajy hoe: "Minoa Anahy, raviave, fa ho avy ny andro ijay hideranareo ny Ray ka sady tsy amin'itoy an-tendrombohitra itoy no tsy any Jerosalema. 22Fa anareo menkohoke amin'ijay tsy fantatrareo. Ahay koja menkohoka amin'ijay fantatray, satria ny famonjena die avy amin'ny Jiosy.23Kanefa, hoavy ny andro, ary tonga ankehitriny, laha efa hidera ny Ray amin'ny fagnahy sy faharignana ny tena mpivavake, satria ny Ray die miremby olo hôtran'ijany ho mpidera Anajy. 24Andriamanitra die Fagnahy, ary ny olo ijay midera Anajy die tsy mentsy midera amin'ny fagnahy sy fahamarignana."25Hoy ny viavy tamin'ajy hoe: "Fantatro fa ho avy ny Mesia (ny antsovana hoe Kristy). Ary laha efa tonga Ijy, die hagnajava amintsena ny raha manontolo."26 Hoy Jesôsy taminajy hoe:" Iaho ijay miresaka aminao, no Ijy."27Tamin'ijany fotôgna ijany die niverigna ny pianatrane. Ary nagnotany tena ijy ny hoe Nagnino Ijy no miresaka amin'ny viavy, fa tsy nisy nijaka hoe: "Ino no tadiavinao?" na hoe: "Nagnino Anao no miresaka aminaje?"28Noho ijany die namela ny sinine raviavy, ka nandeha niverigna tagny an-tanàna, ary nijaka tamin'olo hoe: 29"Handeha, hijaha ny lelahy ijay nilaja ny vitako manontolo. Tsy ho Kristy ijany, sa ve Ijy?" 30Die niala teo an-tanàna areo nandeha eo aminaje.31Nandritra' ijane, nampirisike An'dreo mpianatre, magnano hoe: "Raby, mihinàna."32 Fa hoy Ijy tamin'dreo hoe: "Iaho die managna hanin-ko hoanina ijay tsy fantatrareo." 33Ka nifampijaka ny mpianatrany hoe: "Tsy nisy olo nitondra raha hoanina hôn'Aje, sa ve nisy?"34Hoy Jesôsy tamin'dreo hoe: "Ny sakafoko die ny magnano ny sitrapon'ny nagniraka Anahe ary magnano ny saragne.35 Moa Anao tsy milaja hoe: " Efa-bolagna sisa die hoavy ny fararano?' Lajaiko aminareo, atopajo ny masonareo die jahao ny agny an-tsaha, f'efa masake ary ho jinjaina io!36 Ijay mijinja die mandray karama sy manangogna vokatre hômin'ny fiaignana mandrakijay, ka hiaraka faly ny mpamafy sy ny mpijinja.37Fa amin'ijane die marina ny teny magnano hoe: 'Ny raike mamafy, ary ny raike kosa minjinja,' 38Nagnirake anareo hinjinja ijay tsy nisasaranareo Iaho. Ireo hafa no nisasatre, ary anareo no niditre teo amin'ijay nisasarane."39Maro tamin'ny samaritana tao amin'ijany tanàna ijany no nino Anajy nohon'ny tatitrin'ny viavy ijay magnambara hoe: "Nolajaine taminahe aby ijay nataoko rehetre." 40Ka laha efa nagnatogna Anajy ny samaritana, die nangataka Anajy mba hijanogna hiaraka amin'dreo, die nijanogna tao roa andro Ijy.41Maro hafa no nino nohon'ny tenine.42 Hoy areo tami-raviavy hoe: "Tsy noho ijay vôlajanao koa no hinônay, fa ahay mihintsy no efa naharegne, ary fantatray fa Ijy tokôtre ny Mpamonjy an'ijao tontolo ijao."43Tafaran'io roa andro io, die niala avy tao Ijy handeha agny Galilia. 44Fa Jesôsy mihintsy no nagnambara fa ny mpaminagny die tsy manan-danja ao amin'ny tanine manokagna. 45Laha efa tonga tao Galilia Ijy, die nandray Anajy ny Galiliana. Areo die nahita ny raha aby daholo ijay nataone tao Jerosalema tamin'ny andro fifalefalena, satria nandeha tagny amin'ny andro fifalefalena mandy koa areo.46Ary tonga tao Kana ao Galilia ndraike Ijy, ijay toerana nampodiena ny rano ho divay. Nisy tandapa raike ijay nanagna janaka lahy marary tao Kapernaony.47 Laha efa regnine fa avy Jodia ho agny Galilia Jesôsy, die nandeha eo amin'i Jesôsy ijy ary nangataka taminaje mba hidigna ary hagnafake ny janagne lelahy, ijay efa ho fate.48Avy eo Jesôsy nilaja taminaje hoe: "Laha tsy mahita famantarana sy fahagagana anareo, tsy mba hino mihintsy." 49Hoy ny tandapa taminaje hoe: "Tompoko, midina re melohan'ny hafatesan'ny janako."50 Hoy Jesôsy taminajy hoe: "Mandihana. Velogna ny janakao." Nino ny jaka ijay nolajain'i Jesôsy taminaje ny lelahy, ka die l'asa ijy.51Laha igny ijy nidigna igny, die nitsena andreo mpanompone, nilaja fa velogna ny janagne. 52Ka nagnotany andreo ny ora ijay nagnaretane ijy. Namaly anajy areo hoe: "Maly tamin'ny ora fahafito no nialàn'ny tajo taminaje."53Fantatrin'ny ray avy teo fa tamin'io ora io no nilajan'ny Jesôsy anajy hoe: "Velogna ny janakao." Ka die nino ny tegnany sy ny ankohonane aby daholo. 54Ijany no famantarana faharoa nataon'ny Jesôsy tamin'Ijy niala tao Jodia ho agny Galilia.
Chapter 5

1Tafaran'ijany die nisy lagnonana ny jiosy, ary niakatre ho agne Jerosalema Jesôsy. 2Ary tagne Jerosalema eo akekin'ny vavahadin'ondry die nisy farihy, ijay nangehina tamin'ny Hebreo hoe Betesda, ary misy fialofana dimy ijany. 3Rahabe ireo olo marary, jamba, maleme, na tsy afake mihetsike nandry tao. ( Fagnamarihana: Ny antontan-taratasy taloha tsara indrindra die mangala ny fehejanteny hoe: ''Mandigny ny fihetsahan'ny rano") 4(Fagnamarihana: Ny antontan-taratasy taloha tsara indrindra die mangala ny and.4 hoe: ''Fa nisy anjelin'ny Tompo raike nijotso ka nampihetsike ny rano indraindraike ary na ija na ija niditra ao laha nihetsike ny rano die nahafake tamin'reo aretigna ijay namparare anajy na ino na ino.'')5Die nisy lelahy raike teo ijay efa narare valo amby telo-polo taogna. 6Laha hitan'i Jesôsy mandre teo ijy, sy tafaran'ny nahatsapany fa efa an-taogna maro ijy no teo, die hoy Ijy taminajy hoe: '' Te-hahafake ve anao?''7Namale ny lelahy marare hoe: ''Tompoko, tsy managna an'ija n'ija iaho hagnajoboka anahy ao agnaty farihy laha mihetsike ny rano. Laha mandeha iaho, die misy misisike eo alohako.''8 Hoy Jesôsy taminajy hoe: ''Mitsangàna, indôsy ny fatorianao, die mandihana.''9Tonga die nahafake ny lelahy, ka niresine ny fandrenane die nandeha ijy. Die Sabata ijay andro ijay.10Die hoy andreo Jiosy tamin'ny nahafake hoe: ''Sabata ny andro die tsy mahajo mitondra ny fatorianao anao''. 11Namaly ijy hoe: ''Ny nagnafake anahy no nijaka taminahy hoe: 'Indôjy ny fandrenanao die mandihana.'''12Die nagnotany an'ajy areo hoe: ''Ija ny lelahy nijaka taminao hoe: 'Indôjy ny fatorianao die mandihana'?"13 Kanefa, ny nahafake tsy nahalala Anajy satria nikisaka moramora Jesôsy fa nisy fokon'olo teo an-toerana.14Laha avy teo, hitan'i Jesôsy tao an-tempoly ijy ka hoy Ijy taminajy hoe: ''Ijao, die nahafake anao! Aja magnota koa, mba tsy hitranga aminao ny raha ratsy noho ny teo.'' 15Avy teo die nenga ralelahy ka nitatritre tamin'dreo Jiosy fa Jesôsy no nagnafaka anaje.16Die noho reo raha reo die nagnenjike an'i Jesôsy andreo Jiosy, satria nagnano reo raha reo tamin'ny Sabata Ijy. 17Die namaly andreo Jesôsy hoe: ''Ny Iabako die miasa egny fa na ankehitriny aja, die Iaho, mandy koa, die miasa.'' 18Noho ijany, die vô meke nikady hamono Anajy andreo Jiosy tsy nohon'ny faniratsirana ny Sabata mandy, fa ny nagnangehane an'Andriamanitre mandy koa hoe Iabane manokana, magnano ny tegnane ho mitovy amin'Andriamanitra.19Die Jesôsy namaly andreo hoe: '' Jakaiko aminareo marina, die marina tegnane, fa ny Janake die tsy afaka magnano na ino nino ho Anajy, hafa-tsy je hitane ataon'ny Baba, die ataon'ny Janake mandy koa reo raha reo.20 Fa ny Iaba tia ny Janake ka nagnabôke anajy ny raha abiaby ijay namboarine tegnane, die hagnabôke anajy raha angejabe mihôtre noho reo Ijy mba ho jendagna anareo.21Fa hôtra ny Baba manangagna sy mamelogna ny mate, die hôtran'ijay mandy koa no ameloman'ny Janaka jay tiane.22 Fa ny Baba die tsy mitsara na ija na ija, fa namene ny Janake ny fitsarana abiaby23 mba hagnajan'ny abiaby ny Janake hôtra ny hagnajan-dreo ny Baba. Ijay tsy magnaja ny Janake die tsy magnaja ny Baba nagnirake Anaje.24Jakaiko aminareo marina, die marina tegnane, fa je maharegny ny jakako sy mino ijay nagnirake Anahy die managna ny fiaignana mandrakijay ka tsy ho helohina, fa nenga tamin'ny fahafatesana ho amin'ny fiaignana ijy.25Jakaiko aminareo marina, die marina tegnane, fa avy ny fotôgna, ary tonga ijany ankehitriny, laha haharegny ny feon'ny Janak'Andriamanitra ny maty, die ho velogna ireo ijay maharegny.26Fa hôtra ny Baba managna fiaignana ao Aminajy, no nagnomejana ny Janaka mandy koa mba hagnanane fiaignana ao Aminajy, 27die nomen'ny Baba fahefana hitsara ny Janake noho Ijy Janak'olo.28Aja jendagna amin'ijany, fa avy ny andro handregnesan'ny olo manontolo agny an-kibory ny feone29 ka hivôke: ireo ijay nagnano ny tsara die ho agny amin'ny fitsanganana ho amin'ny fiaignana, fa andreo ijay nagnano ratsy koja die ho agne amin'ny fitsanganana ho amin'ny fitsarana.30Tsy afake magnano na ino nino laha Iaho mandy. Arake ijay regniko, no itsarako, die ny fitsarako die marina satria tsy mandrembe ny sitrapoko manokana Iaho fa ny sitrapon'Ijy ijay nagnirake Anahe.31 Laha tokone hagnambara ny momban'ny tegnako Iaho, die tsy marina ny fagnambarako. 32Misy raike hafa jay magnambara ny momba Anahy, die fantako fa marina ny fagnambarana ijay jakaine momba Anahy.33Nirahina tagny amin'i Jaona anareo, die nagnambara ny marina ijy. 34Fany ny fagnambarana jay resiko die tsy laha tamin'ny olo. Mijaka ijany raha ijany Iaho mba mety ho voavonjy anareo. 35Jaona die jiro nirehitre sy nagnajava, ary anareo nagniry ny hifaly tselatsela tao amin'ny fahajavane.36Fany ny fagnambarako, die mbola angeja noho ny an'i Jaona, fa ireo asa nomen'ny Baba ho tanterahiko, ireo asa ijay ataoko reo, no magnambara ny momba Anahy fa nirahin'ny Baba Iaho. 37Ny Baba Ijay nagnirake Anahy mihintsy no nangnambara Anahy. Tsy mbola naharegny ny feony na nahita ny tarehiny anareo. 38Die ny jakane tsy mba mipetrake ao agnatinareo, satria tsy mino ny nirahine anareo.39Mandrembe ny Soratra Masina anareo satria heverinareo fa ao amin'ireo no agnananareo fiaignana mandrakijay, die reo Soratra Masina reo mandy no magnatoro momba Anahy,40 fany tsy vonona ny hagnatogna Anahy anareo mba hagnananreo fiaignana.41Tsy mandray laja laha tamin'olo Iaho,42 satria fantako fa tsy misy fitiavana an'Andriamanitra ao aminareo.43Avy amin'ny agnaran'ny Iabako Iaho, nefa tsy resinareo. Raha misy hafa avy amin'ny agnarane manokana, die ho resinareo ijy.44 Ahôna no hinônareo, anareo jay mandray laja laha tamin'ny olo-kafa fany tsy mandrembe ny laja jay laha tamin'Andriamanitra tokagna.45Aja mieritreritre hoe Iaho no hiapanga anareo anatrehan'ny Baba. Ny raike mempanga anareo die Mosesy, jay nagnabelanareo ny fagnatenanareo. 46Laha nino an'i Mosesy anareo die tokone hino Anahy, satria nanoratre ny momba Anahy ijy.47 Laha tsy mino reo nosoratane anareo, die ataonareo ahôna no hino ny jakako?
Chapter 6

1Tao ao afara an'ireo raha ireo die lasa nitsaka ny ranomasin'i Galilia jesôsy angehana mandy koa hoe ranomasin'i Tiberiasy. 2Nisy vahôke rahabe nagnaraka an'Aje satria hitan-dreo ny famantarana nataone tamin'ireo narare. 3Nagnanikke an-tete Jesôsy ary nidoboke tegne niaraka tamin'ireo mpianane Ijy4(Ary ny paka ilay andro fifalen'ny Jiosy,die efa marivo.) 5Laha nijaha agnambo Jesôsy ka nahita vahôke rahabe nagnatogna an'Aje,die hoy Ijy tamin'i Filipo hoe:" Aja no hivangantsena mofo mba hafahan-dreo mihinagna?'' 6(Fa Jesôsy nijaka an'ijany mba hitsapana an'i Filipo,fa efa fantane ijay ho amboarine.)7Ary Filipo namaly an'Aje hoe: '' Na die mofo roanjato dinaria aja tsy ho ampe ho an'ny tsirairaike na die kely aby aja.''8 Raike tamin'ireo mpianatre,Andrea,rahalahin'i Simona Petera,nijaka tamin'i Jesôsy hoe: 9Misy lelahy raike eto managna mofo dimy sy laokandrano roe, fa ino ireo amin'olo maro ?"10Ary jesôsy nijaka hoe: Ampipetraho ny olo''(Ary feno ahitra teo amin'ny toerana.) Ka die nipetrake ireo olo, teo amin'ny dimy arivo teo ny isane. 11Avy eo Jesôsy nangala ireo mofo ka rehefa avy nisaotra, die nijara ijany tamin'ireo ijay nipetraka teo. Hôtran'ijane mandy koa no namboarine tamin'ny laokandrano, rahabe arake ijay nilain-dreo. 12Laha voky ny olo, die hoy ijy tamin-dreo mpianane hoe: ''Angony ireo ambinambiny tavela, mba tsy ho vere.''13Ka die navorin-dreo ijany ka nahafeno tanty roa ambin'ny folo ny ambinambina mofo dimy sisa navelan'ireo nihinagna. 14Avy eo, laha nahita an'ijane famantarana namboarine ijane ny olo, die hoe areo hoe:" Itoy tokotre ilay mpaminany ijay avy etoy amin'ijao tontolo ijao." 15Laha hitan'ny Jesôsy fa ho avy areo hangala an'Aje sy hanandratre an'Aje an-kerine ho mpanjaka, die niverigna tegne an-tete irere indraika Ijy.16Laha sondrogna ny andro,die nijotso tegne an-dranomasina ireo mpianane. 17Nandeha ao anaty sambokely areo, ka nitsake ny ranomasina ho angne Kapernaomy. Efa mejigna tamin'ijay, ary Jesôsy mbola tsy avy teo amin-dreo mandy. 18Nisy rivotre nitsoke mahare, ary niha-nahare ny ranomasina.19Laha nivoy teo amin'ny dimy amby roapolo na telopolo stadio teo areo, dia nahita an'i Jesôsy nandeha teo amin'ny ranomasina ary nagnakeke ny sambokely, ka die angoaigna areo. 20Fa hoy Ijy tamin-dreo hoe:'' Iaho mandy ito! Aja magoaigna." 21Avy eo dia vognona ny handray an'Aje tao amin'ilay sambokele areo, ary teo no ho eo dia avy tegne amin'ilay toerana nandehenan-dreo ilay sambokele22Ny ampitso, hitan'ireo vahôke ijay nitsangagna tegne agnilan'ny ranomasina fa tsy nisy sambokely hafa teo afa-tsy ilay raike mandy, ary Jesôsy tsy niditre tao niaraka tamin'ireo mpianane fa nandeha rere ireo mpianany. 23Kanefa, nisy sambokely maromaro avy any Tiberiasy teo akekin'ilay toerana ijay nihinanan-dreo ny mofo laha avy nisaotre ny Tompo.24Laha hitan'ny vahôke fa teo tsy na Jesôsy na ireo mpianany, die niditre tao anaty sambokely areo ary nandeha egny Kapernaomy hitady an'i Jesôsy. 25Laha hitan-dreo teny agnila-rano Ijy, die hoy areo tamin'Aje hoe:" Raby,Ovena anao no avy teto?"26Jesôsy namale an-dreo, nagnano hoe:" Jakaiko aminareo marina, die marina tokôtre, fa mandrembe an'Ahe anareo, tsy nohon'ny nahitanareo famantarana, fa nohon'ny nihinananareo ny mofo ka voky. 27Aja miasa ho an'ny hanigna mety levogna, fa miasa ho an'ny fiaignana mandrakijay ijay homen'ny Janak'olo anareo, satria Andriamanitra Ray no nanignisy tombo-kase tamin'Aje28Avy eo die hoy areo tamin'Aje hoe:" Ino no tsy mentsy hamboarinay, mba hagnanôvanay ny asan'Andriamanitra?" 29Jesôsy namaly ka nagnano hoe:" Ijao no asan'Andriamanitra: die ny hinoanareo ilay raike ijay nirahine."30Ka hoe areo tamin'Aje hoe: Ino ary no famantarana ho amboarinao, mba hahitanay sy hinoanay anao? Ino no ho ataonao? 31Ny ababenay nihinagna mana tagne an'efitre, arake ny voasoratre hoe : "Nomene mofo avy agne an-dagnitre areo hohanine."Avy eo Jesôsy namaly an' andreo hoe:" Jakaiko aminareo marina, die marina tokôtre, fa tsy Mosesy no nagnome anareo ny mofo avy agny an-dagnitre, fa ny Raiko no magnome anareo ny tena mofo avy any an-dagnitre. Satria ny mofon'Andriamanitra die ilay mijotso avy agny an-danitre ka magnome fiaignana ho an'ijao tontolo ijao." Ka hoe areo tamin'Aje hoe:" Tompoko, omeo anay mandrakariva ijane mofo ijane."35Die hoy Jesôsy tamin-dreo hoe: Iaho no mofon'ny fiaignana; ijay magnatona an'Ahe tsy mba ho mosaregna koa, ary ijay mino an'Ahe tsy te-hinon-drano koa. 36Kanefa efa nojakaioko taminareo fa nahita an'ahe mandy anareo, nefa tsy mino. 37Ny raha abiaby ijay omen' Iabako an'Ahe die hagnatogna an'Ahe, ary ijay magnatogna an'Ahe die tsy mba ho ariako.38Fa nijotso avy agny an-dagnitra iaho, tsy mba hagnano ny sitrapoko manokagna, fa ny sitrapon'Ijy ijay nagniraka an'Ahe. 39Ary ijao no sitrapon'Ijy ijay nagnirake anahe, die ny tsy hagnariako ijay abiaby nomene an'Ahe, fa hanangagna an-dreo amin'ny andro farane.40 Satria ijao no sitrapon' iabako, die ny mba hahajahoan'ny abiaby iJay mahita ny Janaka sy mino an'Aje ny fiainana mandrakijay ary ho hatsangako amin'ny andro farane Ijy.41Avy eo nimonomonogna momba an-dreo ny Jiosy satria Ijy nijaka hoe:" Ijaho no mofo nijotso avy tagne an-dagnitre." 42Ary hoe areo hoe:" Tsy ilay Jesôsy Janak'i Josefa ve io, ijay fantantsena ny abany amin'ny endrene? Ahôna no ijakany hoe:'' Nijotso avy agny an-dagnitre Iaho?"43Jesosy namale ka nagnano tamin-dreo hoe:"Ajanony ny fimonomonognana eo aminareo. 44Tsy misy olo afaka magnatogna an'Ahe raha tsy ny Ray ijay nagniraka an'Ahe no mitaogna an'Aje ary ho hatsangako Ijy amin'ny andro farane. 45Ijane die voasoratre ao amin'ny bokin'ny mpaminany hoe: Hampianarin'Andriamanitra ijy abiaby'' Ijay abiaby naharegne sy nianatre tamin'ny Ray no magnatogna an'Ahe46Tsy nisy nahita ny Ray, afa-tsy ijay avy amin'Andriamanitra, ijy no nahita ny Ray. 47Jakaiko aminareo marina die marina Tokôtre, fa ijay mino no managna fiaignana mandrakijay48Ijaho no mofon'ny fiaignana. 49Iababenareo nihinagna ny mana tagny an'efitra ary mate areo.50Itoy no mofo nijotso avy agne an-dagnitre,mba tsy ho fate ijay mihinagna amin'ijane. 51Iaho no mofo velogna nijotso avy agny an-dagnitre. Laha misy olo mihinagna amin'ity mofo itoy, die ho velogna mandrakijay ijy. Ny mofo ijay homeko no nofoko ho an'ny fiainan'ijao tontolo ijao.''52Niha vignitra ireo Jiosy ka nanomboka niady hevitra, nagnano hoe: ''Ahôna no hahafahan'io lelahy io magnome antsena ny nofony hoanina?" Ary hoy Jesôsy tamin-dreo hoe: 53Jakaioko aminareo marina, dia marina tokôtre, fa laha tsy mihinagna ny nofon'ny Janak'olo anareo sy minogna ny rany, die tsy hanagna fiaignana ao aminareo.54Na ija na ija mihinagna ny nofoko sy minogna ny rako die managna fiaignana mandrakijay, ary hatsangako ijy amin'ny andro farane. 55Fa ny nofoko no tena fihinagna, ary ny rako no tena finomina. 56Ijay mihinagna ny nofoko sy minogna ny rako no mitoitre ato amin'ahe, ary iaho ao amin'aje57Hôtrin'ny nagnirahan'ny Ray velogna an'Ahe, sy Hôtrin'ny ny hivelomako nohon'ny Ray, ijay mihinagna an'Ahe, die ho velogna mandy koa nohon'ny amin'Ahe. 58Itoy ilay mofo nijotso avy agne an-dagnitre, tsy hôtrin'ny iababe mihinagna ka mate. ijay mihinagna itoy mofo itoy die ho velogna mandrakijay. " 59Fa Jesôsy nilaja ireo raha ireo tao amin'ny synagoga laha nampianatre tao Kapernaomy Ijy.60Ary rahabe tamin-dreo mpianane ijay naharegne ijany nijaka hoe:" Fampianarana sarotra ijany; Ija no afaka hangneke an'ijany?61 Jesosy, noho Ijy nahalala tao amin'Aje fa nimonomonogna tamin'ijany ireo mpianany, nijaka an-dreo hoe: Manafintohigna anareo ve ijany?62Koa ahôna laha tokony ahita ny Janak'olo miakatre any amin'ny nipetrahany taloha anareo? 63Ny Fagnahy no manome fiaignana; ny nofo tsy ajahôna n'ino n'ino. ireo teny ijay nijakaiko taminareo die fagnahy, ary fiaignana ireo.64Mbola misy saragne aminareo tsy mino." Fa Jesôsy efa nahafantatre hatramin'ny vôlohane ijay tsy hino sy ijay hamadika an'Aje.65 Hoy Ijy hoe:" Noho ijany no nijakako taminareo fa tsy misy olo afaka magnatongna an'ahe laha tsy nomen'ny Ray an 'Aje ijany66Noho ijane, rahabe tamin'ireo mpianane no lasa ary tsy niara-dia tamin'Ajy koa. 67Die hoy Jesôsy tamin'ireo roa ambin'ny folo hoe:'' Tsy te-handeha koa ve anareo,sa tsia?" 68Ary Simona Petera namaly an'aje hoe:" tompo, ho agny amin'ija moa ahay? Anao no managna ny tenin'ny fiaignana mandrakijay, 69ary nino ahay ka magnatogna mba hahalala fa anao no ilay Masin'Andriamanitra.''70Hoy Jesôsy tamin-dreo hoe:" Tsy iaho ve no nifidy anareo, roa ambin'ny folo, ary ny raika aminareo die devoly?'' 71Ary Jodasy jank'i Simona Iskkariota no vorianiny, satria ijy, ilay raike amin'iy roa mbin'ny folo,ijay hamadika an'i Jesôsy.
Chapter 7

1Tafaran'ireo raha ireo Jesôsy die nenga tagny Galilia, fa tsy te ho agny Jodia anefa Ijy noho ireo Jiosy mikasa hamono Anajy. 2Ary efa nariny ny andro fifalefalen'ny Jiosy ny Taberinakely.3Noho ijany ireo rahalahy, nijaka taminajy hoe: Melà amin'itoy toerana itoy ary mandihana agny Jodia, ba hahafahan'ireo mpianatrao mahita ireo asa amboarinao ihiany koa. 4Tsy misy olo magnano raha mivony ijany laha ijy tegnany ary te-hofantatra ampahibemaso. Laha magnano ireo raha ireo anao, die miseho amin'ijao tontolo ijao."5Fa na ireo rahalahy aja tsy nino Anajy. 6Noho ijany Jesôsy nijaka andreo hoe: "Bola tsy avy ny fotôgna, fa ny fotôgnanareo koja die vognona lalandava. 7Tsy afaka hankahala anareo ijao tontolo ijao, fa Aho no halany satria magnambara fa ratsy ireo asany.8Anareo mekara agny amin'ny fifalefalena; fa Aho koja die tsy handeha amin'ijany satria tsy bola avy ny fotôgnako." 9Tafaran'ny nijakany ireo raha ireo tamindreo, die nijanogna tao Galilia Ijy.10Fa laha efa niakatra tagny amin'ny fahafalefalena ireo rahalahiny, die niakatra tagny mandy koa Ijy aviteonigne, tsy nisehoseho fa nivony. 11Nandremby Anajy tagny amin'ny fifalefalena ireo Jiosy ary nijaka hoe: "Aja Iny?"12Nisy resaka rahabe mahakasika Anajy teo agnivon'ireo vahôka. Ny sasagny milaja fa: "Lelahy tsara Ijy." Ireo hafa mijaka hoe: "Tsia, mitarika ny vahôka agny amin'ny fahaverejana Ijy." 13Ary tsy nisy nahasahy nifesaka ampahibemaso mahakasika Anajy nohon'ny fatahorana ireo Jiosy.14Laha efa nisasaka ny fifalefalena, die niakatra tagny amin'ny Tempoly Jesôsy ary nanomboka nampianatra. 15Aviteo die gaga ireo Jiosy, manao hoe: "Ahôna no nahejan'io lelahy io ijany raha manontolo ijany? Ijy tsy ba nandalo fenarana mihitsy" 16Jesôsy namaly andreo ary nijaka hoe: "Tsy Ahy ny fampenarako, fa avy lahatAminajy ijay nagniraka Anahy.17Laha misy olo magniry hanao ny sitram-pony, die hahalala mahakasika an'io fampenarana io ijy, na lahatamin'Andriamanitra ijany, na Iaho no mijaka avy amin'ny tegnako. 18Na ija na ija mijaka avy amin'ny tegnany die mandremby ny vononahitry ny tegnany manokagna, fa na ija na ija mandremby ny vononahitr'ijay nagniraka anajy, die io olo io no marina, ary tsy misy tsy fahamarinana ao aminajy.19Tsy namen'i Mosesy anareo ve ny lalàna? Ka anefa tsy misy aminareo mitandrigna ny lalàna. Nahôna anareo no mikasa ny hamono Anahy?" 20Namaly ny vahôka hoe: "Anao die misy devoly. Ija koa no mikasa hamono Anahy?"21Jesôsy namaly ka nijaka andreo hoe: "Asa raike no namboariko, ary die jendagna nohon'ny amijany aby anareo. 22Namen'i Mosesy ny famoràna anareo (Tsy hoe avy amin'i Mosesy ijany, fa lahatamin'ireo rajagna) ary amin'ny sabata die mamora olo anareo.23Laha amin'ny sabata no amorana ny olo ba tsy ho vôdika ny lalàn'i Mosesy, die nahôna anareo no vignitra Aminahy laha nagnasitragna tanteraka olo raika tamin'ny Sabata aho? 24Aja mitsara amin'ny endrika ivelany, fa mitsarà am-pahamarinana."25Nisy saragne tamin-dreo avy lahatagny Jerosalema nijaka hoe: "Tsy toy ve ilay rombejindreo hivonina? 26Jereo, mivoria miharihary Ijy, ary tsy misy mijaka na ino na ino Anajy ijy ireo. Die ho fantatry ny mpitondra tokôtra ve fa Ijy no Kristy?27 Efa fantantsena hoe avy lahataja io lelahy io. Fa laha efa avy ilay Kristy, die tsy hisy hahalala hoe avy lahataja Ijy."28Aviteo nihieka mahare i Jesôsy tao an-Tempoly, nampianatra ary nijaka hoe: "Anareo die samy mahalala ny tegnako ary mahalala ny fievieko. Tsy avy nohon'ny tegnako manokagna Aho, fa ilay nagniraka Anahy die marina, ary tsy fantatrareo Ijy. 29Fantatro Ijy satria Aho die avy Aminajy ary Ijy no nagniraka Anahy.30Niejaka ny hanambotra Anajy areo, fa tsy nisy nangijintagnana tAminajy satria tsy bola avy ny fotôgnany. 31Kanefa rahabe tamin'ireo vahôka no nino Anajy, ary hoy areo hoe: "Laha efa avy ilay Kristy, moa hagnano famantarana rahabe mihôtra ny vitan'io lelahy io ve Ijy?" 32Naharegny ny vahôka nivitsikitsika ireo raha mahakasika an'i Jesôsy ireo ny Fariseo, ary ny lohan'ny mpisorogna sy ireo Fariseo die nagniraka mpiandry raharaha hanambotra Anajy.33Hoy Jesôsy aviteo hoe: "Kely sisa ny fotôgna herahako aminareo, die henga ho agny amin'ilay nagniraka Anahy Aho.34 Handremby Anahy anareo fa tsy hahita Anahy; ijay handihanako, tsy ho ajonareo andihanana."35Noho ijany ireo Jiosy die nifampivoria hoe: "Fa henga ho aja io lelahy io no tsy hovitantsena ny handremby Anajy? Handeha ho agny amin'ireo ijay niparitaka agny amin'ny Grika die hagnanatra ireo Grika ve? 36Ary ino ny dikan'ny jaka nijakainy hoe: 'Handremby anahy anareo fa tsy hahita Anahy; ijay handihanako tsy ho ajonareo handihanana'?"37Ary tamin'ny farany, andro lehibe amin'ny fifalefalena, die nitsangagna Jesôsy ary nijaka hoe: ''Laha misy mangetaheta, abilay ijy hagnantogna Anahy ary hinogna.38 Ijay mino Anahy, arakan' ny vôlajan' ny soratra Masina, die hikoregna lahatao amin'ny trokany ny rano velogna.''39Fa ijao no lajainy momban'ny Fagnahy, ireo ijay nino Anajy no handray; ilay fagnahy die bola tsy namena satria tsy bola nahajo voninahitra Jesôsy.40Ny sasagny tamin'ireo vahôka, laha efa naharegny an'ireo jaka ireo, die nijaka hoe: "Itoy tokôtra ilay mpaminagny."41 Ireo hafa nilaja hoe: "Itoy ilay Kristy." Fa nisaragny nijaka hoe: "Fa angaha Kristy avy agny Galilia?42 Tsy vôlajan'ny soratra Masina ve fa Kristy die ho avy amin'ny taranak'i Davida ary avy ao Betlehema, ilay tanàna ijay nisy an'i Davida?''43 Ka nisy fijarana teo amin'ny vahôka noho Ijy.44 Ny saragny tamindreo te-hanambotra Anajy, fa tsy nisy nagijintagnana tAminajy.45Aviteo ireo mpandigny raharaha nimpody tagny amin'ireo lohan'ny mpisorogna sy ireo Fariseo, ijay nilaja tamin-dreo hoe: "Nahôna anareo no tsy nitondra Anajy?" 46Namaly ireo mpiambigna raharaha hoe: "Tsy bola nisy nivoria tahaka ijany mihitsy."47Noho ijany ireo Fariseo namaly andreo hoe: "Vôfitaka hiany koa ve anareo? 48Moa nisy tamin'ireo mpanapaka ba nino Anajy, na tamin'ireo Fariseo? 49Fa ireo vahôka ireo die tsy mahalala ny lalàna, vôojogna areo."50Nikodomosy (raika amin'ireo Fariseo, ijay avy mialoha teo aminajy), nijaka hoe: 51"Moa ve ny lalàntsena mitsara olo melohan'ny harignesana anajy ka halalana ijay namboariny?" 52Namaly ijy ireo ary nijaka taminajy hoe: "Avy agny Galilia koa angaha anao? Mitadiava ary jahay fa tsy misy mpaminagny avy lahatagny Galilia."53(Fagnamarihana: ny dikan-teny taloha tsara indrindra die tsy ahitana ny Jaona 7:53-8:11) [Aviteo ny tsiraidraike nenga agny andragnony aby.
Chapter 8

1(Fagnamarihana: Jereo ny fagnamarihana momban'i Jaona 7: 53-8: 11 etsy ambone)Nenga an-tendrombohitr'i Oliva Jesôsy. 2Bola nandraigna die nenga tan-tempoly koa ijy, ary ny olo rehetra nagnantogna anaje; nitoboka ijy ary nampianatra an-dreo. 3Ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo die viavy raika tratra nijangajanga. Napetra-dreo teo agnivo ijy.4(Fagnamarihana: Jereo ny fagnamarihana momban'i Jaona 7:53-8: 11 etsy ambone) Avy teo hoy areo tamin'ajy hoe: "Ry mpampianatra ô, i viavy toy die tratra teo am-pijangajangana. 5Ary ao amin'ny lalàna, Mosesy nibeko anay ba hitily vato ny olo tahaka an'ijay; ino no jakainao momba an'aje?" 6Nijakain-dreo hamandrihana an'Ajy fotsiny anefa ijany ba ahafahan-dreo magnameloka an'Aje, fa Jesôsy koja niondrika ary nanoratra tamin'ny tany tamin'ny ratsan-tagnane.7(Fagnamarihana: Jereo ny fagnamarihana momban'i Jaona 7:53-8: 11 etsy ambone) Rehefa nametraka fagnotanena taminajy fehijay areo, die nitsangagna Ijy ka nijaka an-dreo hoe: "Ijay tsy nanota taminareo, aleo ijy hitily vato an'aje vôlohane." 8Die niondrika koa Ijy, ary nanoratra tamin'ny tany tamin'ny ratsan-tagnane.9(Fagnamarihana: Jereo ny fagnamarihana momban'i Jaïna 7:53-8: 11 etsy ambone) Rehefa naharegny an'ijany areo, die nenga kirai-draike, nanomboka tamin'ny joky olo indrindra. Ary farany die Jesôsy irerika mandy sisa no tavela teo, niaraka tamin'ilay viavy ijay teo agnivone.10Nitsangagna Jesôsy ka nijaka tamin'aje hoe: "Raviave, fa nenga aja ny mpagnameloka anao?"11Hoy ijy hoe: " tsy misy, Tompoko." Ary hoy Jesôsy hoe: "Tsy magnameloka anao Aho. Mandihana ary aja manota koa."12Nijaka tamin-dreo indraike Jesôsy, magnano hoe: " Aho no fahajavan'ijao tontolo ijay; ijay magnarake an'Ahy die tsy handeha amin'ny hejigna fa hanagna ny fahajavan'ny fiaignana." 13Hoy ny fariseo tamin'aje hoe: "Anao die magnambara ny tegnanao; tsy marina ny fagnambaranao."14Jesôsy namaly ka nagnano tamin-dreo hoe: "Na die magnambara ny tegnako aja Aho, die marina ny fagnambarako. Fantatro ny neveko sy ny lalagna andihanako, fa anareo koja tsy mahafantatrr ijay neveko na ijay andihanako.15Anareo die mitsara araky ny nofo; fa Aho tsy mitsara na ija na ija. 16Na die mitsara aja Aho; die marina ny fitsarako satria tsy irery Aho, fa miaraka amin'ny Ray ijay nagniraka an'Ahe.17Eke, ary ao amin'ny lalàgnareo die vôsoratra fa marina ny fijorôn'ny olon-droy vavolombelogna. 18Aho no magnambara ny tegnako, ary ny Ray ijay nagniraka an'Ahy mandy koa die magnambara an'Ahe."19Hoy areo tamin'ajy hoe: " Aja ny rainao?" Jesôsy namaly hoe: " Tsy fantatrareo na Aho na ny Raiko; raha nahafantatra an'Ahy anareo, die mahafantatra ny Raiko mandy koa." 20Marivon'ny fandatsahan-drakitra ijy no nijaka anijay jaka ijay tamin'ijy nampianatra tamin'ny tempoly igne, ary tsy nisy nanambotra an'Ajy satria bola tsy avy ny lerane.21Ary hoy indrika ijy tamin-dreo hoe: " Andeha Aho; handremby an'Ahy anareo ary die ho maty amin'ny fahotanareo. Ijay andihanako, die tsy ho ajonareo handihanana." 22Hoy ny Jiosy hoe: " Hamono fo ve ijy? ijany ve no antony nilajany hoe: 'Ijay andihanako, die tsy ajonareo handihanana'?"23Hoy Jesôsy tamin-dreo hoe: " Avia atoy ambany anareo; Aho koja avy ambony egne. Avy amijao tontolo ijao anareo; fa aho koja tsy avy amjao tontolo ijao. 24Noho ijane, nambarako taminareo fa ho maty ao amin'ny fahotanareo anareo. Fa raha tsy mino anareo fa AHO NO IJY, die ho maty amin'ny fahotanareo anareo."25Noho ijany die hoy areo taminaje hoe: "Ija moa anao?" Hoy Jesôsy tamin-dreo hoe: "Araka ijay vôlajako taminareo hatramin'ny vôlohane. 26Managna raha maro hijakaiko sy hitsarana momba anareo Aho. Kanefa, Ijy ijay nagniraka an'Ahe die marina; ary ijay javatre jay regniko taminaje, die hambarako am'ijao tontolo ijao." 27Tsy ajon-dreo anefa fa Ijy die nivoria tamin-dreo momba ny Ray.28Hoy Jesôsy hoe: " Rehefa asandratrareo ny Janak'Olo, die ho fantatrareo fa aho no IZY, ary tsy magnano na ino na ino ho an'Ahy Aho. Araka ny nampenarin'ny Ray an'Ahe, no hilajako an'ireo javatra ireo. 29Ijy ijay nagniraka an'Ahy die miaraka amin'Ahe, ary tsy namela an'Ahy ho irery ijy, noho Aho magnano ijay ankasitrahany mandrakariva." 30Raha nilaja an'io javatra io Jesôsy, die be no nino an'Aje.31Jesôsy nijaka tamin'ny Jiosy jay nino an'Ajy hoe: " Raha mitoetra amin'ny jakako anareo, die ho tena mpianatro; 32ary ho fantatrareo ny marina, ary ny marina hagnafaka anareo." 33Ary areo namaly an'Ajy hoe: " Taranak'i Abrahama ahay ary bola nandivojin'ija na ija hatramin'ijay; ka magnino no hijakanao hoe: 'Ho afaka anareo'?"34Jesôsy namaly an-dreo hoe: "Lajaiko aminareo, marina, die marina tokôtre, f'ireo ijay manota die andevon'ny ota. 35Ny andevo die tsy mitoboke ao an-dragno mandrakijay; fa ny janaka no mitoboka mandrakijay. 36Noho ijane, raha ny Janaka no magnafaka anareo, die ho afaka tokôtra anareo.37Fantatro fa taranak'i Abrahama anareo; mandremby ijay hahafaty an'Ahy satria tsy managna toerana ao aminareo ny jakako. 38Milaja ijay hitako niaraka tamin'ny Raiko Aho, ary anareo koa mambôtra ijay regninareo tamin'ny rainareo."39Namaly areo ka nilaja taminajy hoe: " Abrahama no iabanay." Jesôsy nijaka an-dreo hoe: " Raha janak'i Abrahama anareo, die hambôtra ny asan'i Abrahama. 40Kanefa, amijao fotôgna ijao anareo mandremby hamono an'Ahe, ijay lelahy nilaja taminareo ny marina ijay regniko tamin'Andriamanitre. Abrahama tsy nagnano an'ijane. 41Anareo die magnano ny asan'ny iabanareo." Hoy areo taminajy hoe: " Tsy teraka tamin'ny fijangajangana ahay; raika mandy ny Rainay: die Andriamanitre."42Jesôsy nijaka tamin-dreo hoe: "Raha Andriamanitra no rainareo, die tokony ho tia an'Ahy anareo, satria avy tamin'Andriamanitra no niboahako sy nandihanako atoy; fa tsy avy ho ajy Aho, fa Ijy no nagniraka an'Ahe. 43Nahôna no tsy ajonareo ny jakako? Ijany die satria tsy afaka hagneky ny jakako anareo. 44Avy amin'ny rainareo anareo, ilay devoly, ary tienareo atao die ny filajàna ijay namboarin'ny rainareo. Mpamono olo hatramin'ijay ijy ary tsy mijoro amin'ny fahamarinana satria tsy misy marina ao aminaje. Rehefa mivandy ijy, die ny toetra famboariny mandy no lajainy satria mpivandy ijy ary iaban'ny vande.45Kanefa, satria milaja ny marina Aho, die tsy mino an'Ahy anareo. 46Ija aminareo no magnameloka an'Ahy amin'ny fahotako? Raha milaja ny marina Aho, nahôna no tsy hinônareo?47Ijay avy amin'Andriamanitre; tsy maharegny an'ijany anareo satria tsy avy amin'Andriamanitre."48Namaly ny Jiosy ka nijaka taminajy hoe: "Moa ve tsy milaja ny marina ahay fa Samaritana Anao ary misy demonia?" 49Jesôsy namaly hoe: "Tsy misy demonia aho, fa magnome voninahitra ny Raiko, ary anareo tsy magnome voninahitra an'Ahe.50Tsy mandremby ny voninahitro aho; misy raika mandremby sy mitsara. 51Jakaiko aminareo, marina, die marina tokôtre, fa raha misy mitandrigna ny jakako, die tsy hahita fahafatesana mandrakijay ijy."52Hoy ny jiosy tamin'aje hoe: "Aminjao fantatray fa managna demonia Anao. Efa maty Abrahama sy ny mpaminagny; Kanefa anao milaja hoe: 'Raha misy mitandrigna ny jakako, die tsy hahita fahafatesana mandrakijay ijy'. 53Tsy angeja mihôtran'ny rainay Abrahama ijay efa maty Anao, sa ve angeja? Ny mpaminagny mandy koa die maty. Mambôtra ny tegnanao ho ija moa Anao?"54Jesôsyy namaly hoe: "Raha mankalaja ny tegnako Aho, die ho tsinotsinona ny voninahitro; Ny Raiko ijay atanareo ho Andriamanitra no mankalaja Anahe. 55Tsy fantatrareo ijy, fa Aho mahafantatra an'Aje. Raha milaja Aho hoe: 'Tsy mahafantatra an'Ajy Aho,' die ho tahaka anareo, mpivande. Kanefa, fantatro ijy ka mitandrigna ny teniny Aho. 56Ny rainareo die nifaly nahita ny androko; nahita an'jany ijy die fale."57Hoy ny Jiosy taminajy hoe: " Bola tsy misy dimampolo taogna aja Anao, ka die ho efa nahita an'i Abrahama ve?" 58Ary hoy Jesôsy tamin-dreo hoe: " Lajaiko aminareo, marina, die marina tokôtra, talohan'ny nahaterahan'i Abrahama, die aho no ijy." 59Avy teo die nangala vato hatily Anajy areo, fa Jesôsy koja nenga ka nivôka ny tempoly.
Chapter 9

1Ary nandalo Jesôsy, die nahita lelahy jamba hatramin'ijy vô terake. 2Nagnadina an'Ajy ny Mpiana hoe:" Raby, ija rô no nanota, io lelahy sa ireo ray aman-dreniny. no die teraka jamba hôtran'ijao ijy?"Jesôsy namaly hoe:" Tsy io lelahy io no 3nanota, na ny ray aman-dreniny, fa natao ijao mba hagnehoana amin'ajy ny asan'Andriamanitra. 4Tsy mentsy magnano ny asan'ijay nagniraka an'Ahy antsena laha mbola majava. Fa hoa avy ny aligna ijay tsy ahafahan'ija n'ija miasa koa, 5Laha mbola eto amin'ijao tomtolo ijao Iaho, die Iaho no fahajavan'ijao tontolo ijao."6Laha avy nijaka an'ijany Jesôsy, dia nandrora tamin'ny tany, ary nanagno feta tamin'ilay ranon'ivy ka nagnosotre fotaka tamin'ilay mason'ilay lelahy. 7Hoy Ijy tamin'ajy hoe:" mandehana sasao eny amin'ny ranon'ny Siloama (ijay adika hoe: nirahina) ny masonao." Ka lasa ralelahy, nanasa ijany, ary niverigna nahiratre.à8Ary nifampanontagny ireo olo mpiray vody rindrigna tamin-dralelahy sy ireio ijay nahita an'ajy nangataka taloha nagnano hoe:" Tsy itoy ve ilay lelahy nidoboke nangatake teto?"9 Ny saragny nagnano hoe:" Ijy io." Ary ny hafa nilaja hoe:" Tsiare, fa mitovy amin'ajy mandy ijy." Fa ijy koja nagnano hoe:" Iaho itoy."10Hoy areo tamin'ajy hoe:" Koa ahôna ary no nahiratan'ny masonao? 11Namaly ijy hoe:" Ilay lelahy antsoina Jesôsy no nagnano feta ary nagnosotre ijany tamin'ny masoko ka nijaka tamin'ahy hoe:" Mandehana agny Siloama ary sasao ny masonao." die nandeha iaho ary nanasa an'ijany, ka nahiratre." 12Hoy areo tamin'ajy hoe:" Aia Ijy?" Die novaliany hoe:" Tsy fantatro."13Nindôsin-dreo teo amin'ny Fariseo ilay lelahy ijay jamba taloha. 14Tamin'ny andro Sabata moa no nagnanôvan'i Jesôsy ny feta sy nampahiratany ny masony.15 Ary nagnotany an'ajy indraike ireo Fariseo ny amin'ny fomba nahiratane. Hoy ijy tamin-dreo hoe:" Nasiany feta ny masoko, nosasako, ka mahita iaho ijao."16Ny saragne tamin-dreo Fariseo nijaka hoe:''Tsy avy amin'Andriamanitra itoy lelahy itoy satria tsy mba magnaja ny andro Sabata.'' ny hafa nagnano hoe:" Ahôna no ahafan'ny olo mpanota magnano famantarana lehibe hôtran'ijao?" Ka die nisy fijarajarana teo amin-dreo. 17Ka die niverigna nagnotane ilay lelahy jamba indraike areo hoe:" Ino no hambaranao momba an'Ajy, hatramin'ny nampahiratany ny masonao?" Hoy ilay lelahy jamba hoe:" Mpaminany ijy." 18Ary mbola tsy nino ny momba an'ajy mandy ireo Jiosy hoe ijy die efa jamba ka nahiratre laha tsy nagnatso ny aba sy endr in'ilay lelahy nahiratre areo.19Nagnotany ireo iabane amin'iendriny areo hoe:" Itoy ve ilay janakareo ijay lajainareo fa hoe terake jamba? Koa ahôna ary no ahitany ijao?" 20Ary die novalian-dreo iaba sy endrine areo hoe:" Fantatray fa janakay io terake jamba ijy.21 Fany ny amin'ny nahitany, tsy fantatray, ijay nampahiratre ny masone, tsy fantatray: Agnotanio an'ajy, efa lehibe ijy. Afaka milaja ho an'ny tegnany ijy"22Nilaja an'ijany ireo iaba sy endrine, satria natahotra ireo jiosy areo. Satria efa nifagneky ireo jiosy fa laha misy magneky an'Ajy ho Kristy, die ho roahina hiala ao amin'ny synagoga ijy. 23Nohon'ny amin'ijany, no nilajan'ireo iaba sy endriny hoe:'' Efa lehibe ijy, ijy no agnotanio."24Ary nagnatso ilay lelahy jamba fagnindroany indraike areo die nijaka tamin'ajy hoe:" Omeo voninahitra Andriamanitra. Fantatray fa mpanota ijany lelahy ijany." 25Avy eo die namale ilay lelahy hoe:" Tsy fantatro aloha laha mpanota Ijy. Ny hany fantatro die ijao: efa jamba iaho taloha, fa ankehitriny iaho mahita."26Avy eo die hoy areo tamin'ajy hoe:" Fa ino no nataony taminao? Ahôna ny fomba nampahiratane ny masonao? 27Die namaly ijy hoe: efa nambarako taminareo fa tsy niteno anareo! Ka nahôna anareo no te hiteno an'ijany indraike? Te-ho isan'ny mpianany mandy koa ve anareo, sa tsy ijany?" 28Nagneso an'ajy areo ka nijaka hoe:" Anao no mpianany, fa ahay mpianatr'i Mosesy.29 Fantatray fa efa niresake tamin'i Mosesy Andriamanitra, fa laha ijany lelahy ijany die tsy fantatray ijay nihaviany."30Die namale ilay lelahy ka nagnano tamin-dreo hoe:" Mahagaga ijany, tsy fantatrareo ijay niaviane, kanefa nampahiratre ny masoko Ijy.31 Fantatsena fa tsy miteno ireo mpanota Andriamanitra, fa laha misy majoto mivavaka sy magnano ny sitrapony, die miteno an'ajy Ijy.32Hatramin'ny niatombohan'ijao tontolo ijao die tsy mbola regne mihintsy hoe nisy nampahiratre ny mason'ijay teraka jamba.33 Koa laha tsy avy amin'Andriamanitra ijany lelahy ijany, die tsy mahefa n'ino n'ino. 34Ary die namaly areo ka nagnano tamin'ajy hoe:" Tena terake tami'ny ota anao, die anao koa ve no hampianatre anay?" Avy eo die noroahan-dreo hivoke ijy.35Regnin'i Jesôsy fa noroahin-dreo tao amin'ny Synagoga ijy. Ary Ijy nahita an'ajy die nijaka hoe:" Mino ny janak'olo ve anao?" 36Namaly ijy hoe:" Ija moa no IJy, Tompo mba hinoako an'Ajy?" 37Jesôsy nagnano tamin'Ajy hoe:" Efa nahita an'Ajy anao, ary ilay raike ijay mivoria aminao ijao ijany." 38Hoy ilay lelahy hoe:" Tompo, mino aho." ary nidera an'Ajy ijy.39Jesôsy nilaja hoe:" Fa fitsarana no nahatongavako eto amin'ijao tontolo ijao mba hahiratre ireo ijay jamba ary mba ho tonga jamba ireo mahiratre." 40Naharegne an'ijany ny saragne tamin'ireo Fariseo ijay niaraka tamin'Ajy ka nagnotany an'Ajy hoe:' Ary ahay mandy koa ve jamba? 41Fa Jesôsy nijaka tamin-dreo hoe:" Laha jamba anareo, die tsy ho nanan-keloke, fa anareo koja ankehitriny milaja hoe ;" Mahiratra ahay, die mbola mipetrake ny helokareo."
Chapter 10

1"jakaiko aminareo, marina, die marina tokôtre, fa ijay tsy miditra ny vavahady hômin'ny valan'ondry, fa manivaka làlagna hafa, die mpangalatre sy mpagnendake ijy.2 Fa ijay miditra ny vavahady koja die mpiambigna ondry tsara.3Ijy no vahatran'ny mpiambigna vavahady. Maharegny ny feone ny ondry, ary ijy mangaike ny ondrine manokagna amin'ny agnarane ka mitondra an'ajy mibôke.4 Laha magnabôke nen'ajy abiaby ijy, die neloha làlagna an-dreo, ary magnaraka an'ajy ny ondrine, satria mahafantatra ny feone.5Ary tsy hagnaraka vahiny areo fa hilefa an'ajy koja, satria tsy fantane ny feon'ny vahiny."6 Jesôsy nivoria ijany fagnoharana ijany tamin-dreo, kanefa tsy fantan-dreo mihintsy ireo raha nivorianine tamin-dreo.7Die hoy indraike Jesôsy tamin-dreo hoe: "Jakaiko aminareo, marina, die marina tokôtre, fa Iaho no vavahadin'ondry.8 Ijay abiaby tonga talohako die mpangalatre sy mpagnendake, satria tsy niheno an-dreo ny ondry.9Iaho no vavahady. Laha misy miditre ao amin'ny alalako, die ho vôvonjy ijy; hiditre sy hibôke ijy ary hahita ny fihinanana.10 Fa ny mpangalatre tsy avy laha tsy hangalatre sy hamono ary handrava. Fa Iaho koja avy mba hanagnan-dreo fiaignana ary hanagna ijany rahabe.11Iaho no mpiambigna tsara. Ny mpiambigna tsara die mahafoy ny aigne hamonjena ny ondrine.12 Ny mpikarama die tsy mpiambigna sady tsy tompon'ondry. Laha mahatsinjo amboadia magnantogna ijy die hikisake ny ondry die hilefa, ary ny amboadia manambotre sy magnaparitake an-dreo.13 Milefa ijy satria mpikarama ka tsy mivaky loha ny ondry.14Iaho no mpiambigna ondry tsara, ary fantako nen'Ahe, ary fantane Iaho.15 Iabako mahafantatra an'Ahe, ary Iaho mahafantatra an'Iabako, ary Iaho mahafoy ny aignako hôn'ny ondry.16 Managna ondry hafa tsy amin'itiky vala itiky Iaho. Tsy mentsy hindôsiko mandy koa iregny, ary areo haharegny ny feoko mba ho lasa andiane raike mandy sy mpiambigna raike.17Ijao no antone hitiavan'Iabako an'Ahe: mahafoy magnome ny aignako Iaho mba handresako ijany indraike.18 Tsy misy mangala ijany amin'Ahe, fa ny tegnako mandy no magnome ijany. Managna alàlagna hagnome ijany Iaho, ary managna alàlagna hangala ijany indraike. Ijany didy ijany die ajoko avy tamin'Iabako."19Nisy fijarajarana koa teo amin'ireo Jiosy noh'ireo teny ireo.20 Be tamin-dreo no nijaka hoe: "Misy devoly Ijy sady very saigna. Nagnino anareo no miheno an'Aje?"21 Ny saragne nijaka hoe: "Tsy fijàkan'olo misy devoly ijane. Moa ny devoly afaka mampahita ny mason'ny Jamba?"22Avy teon'igne avy ny fetin'ny fanokagnana tao Jerosalema. 23Rirignina tamin'ijany, ary Jesôsy nitsangagna teo an-tokontanin'ny fengonana teo amin'ny felofan'i Solomona. 24Avy teon'igne nivorovorôn'ireo Jiosy Ijy ary nijaka tamin'Ajy hoe: "Mandrapaha-ovena no hampisalasalanao anay? Laha Anao no Kristy, die jakay ampahabe-maso aminay."25Ary Jesôsy namaly an-dreo hoe: "Efa nagnatoro anareo Iaho, fa tsy mino anareo. Ireo asa ijay amboariko amin'ny agnaran'Iabako, ireo no magnatoro ny mahakasika an'Ahe. 26Kanefa anareo tsy mino satria tsy mba ondriko.27Maharegny ny feoko ny ondriko; fantako areo, ary magnaraka an'Ahe.28 Omeko an-dreo ny fiaignana mandrakijay; die tsy ho faty mandrakijay areo, ary tsy hisy hisarombaka an'ajy eo am-pelatagnako.29Iabako, ijay nagnome ireo an'Ahe, die makadiry noho ny hafa abiaby, ary tsy misy mahasahy mandrombake an-dreo eo am-pelatagnan'Iabako.30 Iaho sy Iabako die raika mandy."31 Avy teon'igne nangala vato indraike ireo Jiosy mba hitily an'Aje.32Ary Jesôsy namaly an-dreo hoe: "Rahabe ny asa tsara natoroko anareo avy tamin'Iabako. Ka ino tamin'iregny asa iregny no hitilianareo vato an'Ahe?"33 Namaly an'Aje ireo Jiosy hoe: "Tsy ny asa tsara no hitilianay vato anao, fa ny fitenenan-dratsy, satria anao, olombelogna, die magnano ny tegnanao ho Andriamanitra."34Namaly an-dreo Jesôsy hoe: "Tsy efa vôsoratra ao amin'ny lalàna ve hoe: 'Hoy Iaho hoe: "andriamanitra anareo'''?35 Laha nangaike iregny ho andriamanitra ijy, die hôn'ija no nevian'ny tenin'Andriamanitra (ary ny Soratra Masina die tsy ajo foagnana),36 moa ve ilay nohamasignin' Iabane sy nirahine hômin'ijao tontolo ijao no jakainareo hoe: 'Mijaka ratsy Anao; noho Iaho nijaka hoe: "Iaho no Janak'Andriamanitra'?37Laha tsy magnano ireo asan'Iabao Iaho, die aja mino an'Ahe. 38Fa laha mambôtra iregny Iaho, na die tsy mino an'Ahy aja anareo, die minoa ireo asa hahafantaranareo sy hajahônareo fa Iabako die ato amin'Ahe ary Iaho ao amin'Iabako." 39Mbola nanagna eritreritra ny hanambotra an'Ajy indraike areo, fa nilefa Ijy.40Die nandeha agny an-dafin'i Jordana indraike Ijy ho agny amin'ilay toerana ijay namboaran'i Jaona batisa vôlohane, die nipetraka teo.41 Rahabe ny olo nagnantogna an'Aje, die hoy areo hoe: "Jaona tsy mba nagnano famantarana, fa ny raha abiaby nijakain'i Jaona mahakasika io lelahy io die marina."42Rahabe ny olo nino an'Ajy teo.
Chapter 11

1Ary nisy lelahy raike narary antsoina hoe Lazarosy. Avy ao Betania ijy, tananan'i Maria sy Marta rahavaviny. 2Maria no nagnosotra menake magnitra ny Tompo sy nagnadio ny tongony tamin'ny volone, ary Lazarosy analahine no narary.3Ary ireo mpirahavavy nagnirake olo ho agny amin'i Jesôsy, nilaja hoe:" Tompo, jereo, fa marary ilay tianao." 4Laha regnin'i Jesôsy ijany, die hoy Ijy hoe:" Tsy fahafatesana no hiafaran'itoy aretina itoy, fa koja ho fagnaboahana ny voninahitr'Andriamanitra mba hanandratana ny Janak'Andriamanitra amin'ny alalan'ijany."5Ary Jesôsy die tia an'i Marta sy ny rahavaviny ary Lazarosy. 6Ka laha naharegne Jesôsy fa marary Lazarosy, die mbola nijanogna roa andro tao amin'ny toerana nisy an'Ajy Ijy. 7Ary tafaran'ijany, die nijaka tamin'ireo mpianatra Ijy hoe:" Andeha antsena ho any Jodia indraike.''8Hoy ireo mpianatra taminy hoe:" Raby, amin'ijao die mikasa ny hitora-bato Anao ireo Jiosy, ka mbola hiverigna ho agny indraike ve anao? 9Ary namaly Jesôsy hoe:" Tsy roa ambin'ny folo ora ve ny fahajavan'ny andro? Laha misy olo mandeha amin'ny andro majava, die tsy ho tafintohigna ijy , satria mahita ny fahajavan'ijao tontolo ijao.10Kanefa, laha mandeha amin'ny aligna ijy, die ho tafitohigna satria tsy ao aminy ny fahajavana." 11Nilaja ireo raha ireo Ijy, ary tafaran'ireo raha ireo, die hoy Ijy tamin-dreo hoe:" Resin-tory Lazarosy namantsena, fa handeha Iaho mba hafahako mamoha an'ajy amin'ny torimaso."12Ka hoy ireo mpianatre tamin'ajy hoe:" Tompo, resin-tory ijy, die ho tsara.13 Kanefa Jesôsy nilaja ny fahafatesane, sengy noheverin-dreo fa fialan-tsatsatra amin'ny torimaso no nojakaine. 14Avy eo Jesôsy nijaka tsotra tamin-dreo hoe:" Maty Lazarosy.15Faly aho, nohon'ny aminareo, fa tsy tagny Aho mba hahatonga anareo hino. andao antsena ho agny amin'aje." 16Tomasy, ijay antsoina hoe Didymo, die nijaka tamin-dreo mpianatre akamany hoe:'' Andao koa antsena mba hiara-maty amin'i Jesôsy."17Laha avy Jesôsy, die hitany fa efa nalevigna efatr'andro tao am-pasagna Lazarosy. 18Ary Betania dia efa akeky an'i Jerosalema, eo amin'ny dimy ambin'ny folo stadio eo no elanelany. 19Rahabe ireo Jiosy tonga tao amin'ny Marta sy Maria, mba hampahery an'ajy ireo nohon'ny fahafatesan'ny analahin-dreo.20 Avy eo Marta, laha naharegne fa avy Jesôsy, die nandeha nitsena an'Aje, fa Maria koja nidoboke tao an-dragno.21Die nijaka tamin'i Jesôsy Marta hoe:" Tompo, laha teto anao, die tsy maty ny analahiko. 22Nefa na die ijao ankehitriny ijao aja, die fantatro fa na ino na ino angatahinao amin'Andriamanitra, die homene anao ijany."23 Hoy Jesôsy tamin'aje:" Ny analahinao die hitsangan-ko velogna indraike."24Marta nijaka tamin'Aje hoe:" Fantatro fa hitsangagna indraike ijy amin'ny fitsanganan'ny maty amin'ny andro farane."25 Die hoy Jesôsy taminy hoe:" Iaho no fananganana ny mate ary fiaignana; ijay mino an'Ahe, na die mate aja ijy, die ho velogna ; 26ary na ija na ija velogna ka mino an'Ahe die tsy ho faty mandrakijay. Mino ijany ve anao?"27hoy ijy tamin'Aje hoe:" Eka, Tompo, mino iaho fa Anao no Kristy, Janak'Andriamanitra, ilay ho avy eto amin'ijao tontolo ijao." 28Laha vôlajany ijany, die lasa ijy nagnatso mangingina an'i Maria rahavaviny. Hoy ijy hoe:" Tonga ny Mpampianatra ary magnatso anao ijy. 29Laha regnin'i Maria ijany, die nitsangagna malaky ijy die nenga agny amin'Aje.30Ary jesôsy tsy mbola avy tao an-tanàna fa mbola teo amin'ilay toerana nihôgnan'i Marta tamin'Aje mandy. 31Noho ijany ireo Jiosy, ijay niaraka tamin'Aje tao an-dragno sy nampahery an'ajy, laha nahita an'i Maria nitsangagna nalaky ka nenga nivôke, die nagnarake an'azy, nihevitra fa handeha hitagny agny amin'ny kibory ijy. 32Laha avy teo amin'ny toerana nisy an'i Jesôsy i Maria ka nahita an'Aje, die niankohoke ijy ary nijaka tamin'ajy hoe:" Tompo, laha teto anao, die tsy mate ny analahiko."33Laha nahita an'ajy nitagne Jesôsy, ary ireo Jiosy niarake tamin'ajy koa nitagny, dia vonto ny fagnahiny ary tora-kovitra Ijy; 34die hoy Ijy hoe:" Taja no nandivegnanareo an'aje?" Die hoy areo tamin'Aje hoe:" Tompo, avia ary jahao." 35Nitagny Jesôsy.36Avy eo hoy ireo Jiosy hoe:" Jereo ny haben'ny fitiavane an'i Lazarosy!" 37Fa ny saragne tamin-dreo nijaka hoe:" Moa ve tsy hain'itoy lelahy itoy, ijay nampahiratre ny mason'ilay jamba, ny magnano ijay tsy ho nahafate itoy lelahy ity koa?"38Avy eo indraike Jesôsy, laha mbola vonto ny fagnahine, die nenga egne amin'ny kibory. Ary lakato ijany, ary misy vato magnarona an'aje. 39Hoy Jesôsy hoe:" Alay hiala ny vato." Marta, anakavin'i Lazarosy, ilay mate, nijaka tamin'i Jesôsy hoe:' Tompo, efa membo ny vatagne laha amin'ijao fotôgna ijao, satria efatr'andro ijao no nahafatesany.'' 40Ary Jesôsy nijaka tamin'ajy hoe:" Tsy efa nojakaiko anao ve fa, laha nino anao, die ho hitanao ny voninahitr'Andriamanitra?''41Die nalain-dreo ny vato. Jesôsy nanandratre ny masone ka nijaka hoe:" Ray ô, misaotra Anao Aho satria niteno an'Ahe Anao.42 Fantatro fa miteno an'Ahe mandrakariva Ianao, fa nohon'ny vahôke mijoro magnodidigna an'Ahe no nilajako an'ijane, mba hahafahan'ijy mino fa anao no nagniraka an'Ahe."43Laha avy nijaka an'ijany Ijy, die nagnatso tamin'ny feo mahare hoe:" Lazarosy, mivoaha!"44 Nivôka ilay lelahy mate; nisy fehim-paty ny tongone sy ny tagnane, ary vôfehy lamba koa ny tarehine. Hoy Jesôsy tamin-dreo hoe:'' Vahao ijy ary avelao handeha."45Avy eo rahabe tamin-dreo Jiosy ijay avy tao amin'ny Maria sy nahita ny nataon'i Jesôsy, no nino an'Aje; 46Fa ny saragne tamin-dreo koja lasa nandeha nenga agny amin'ny Fariseo ary nilaja tamin-dreo ny raha namboarin'i Jesôsy.47Avy eo ny lohan'ny mpisorogna sy ny Fariseo namory ny Synedriona niarake ary nagnano hoe:" Ino no hataontsena? Itoy lelahy itoy die magnano famantarana rahabe. 48Laha avelantsena amin'ijao Ijy, die hino an'Aje ny olo abiaby; ary ho avy ny Romana hangala ny tananàntsena sy ny firenentsena."49Kanefa, nisy lelahy raike tamin-dreo Kaiafa, ijay mpisorognabe tamin'ijany taogna ijane, nagnano tamin-dreo hoe:'' anareo die tsy mahalala na ino na ino. 50Tsy mieritreritra akore anareo fa tsara ho anareo raha lelahy raika no mate ho an'ny olo hôtran'ijay ny firenena manontolo no ringagna.''51Ary ijay nojakainy die tsy nataony ho an'ajy mandy. Fa koja, noho ijy mpisorognabe tamin'io taogna io, die naminany fa tokone ho fate ho an'ny firenena Jesôsy; 52ary tsy ho an'ny firenena fotsiny mandy, fa hampiray ny janak'Andriamanitra ijay niparitake koa. 53Ka nanomboke tamin'io andro io die nagnano tetike ny fomba hamonoana an'i Jesôsy areo54Ary Jesôsy tsy nandeha niharihary tegne amin'ireo Jiosy koa, fa niala teo Ijy nandeha amin'ny tany marivon'ny efitra any an-tanàna atao hoe Efraima. Ary nonigna tao Ijy sy ireo mpianatre. 55Ary efa akeke ny Pakan'ny Jiosy, ary rahabe tamin'ireo tagny ivelan'ny tanàna no niakatra tao Jerosalema mialohan'ny Paka mba handio ny tegnan-dreo.56Nandrembe an'i Jesôsy areo, ary nitsangagna teo amin'ny Tempoly nifampivoria hoe:'' ino no eritreretinareo? Hoe tsy ho avy amin'ny andro firavoravoana ve Ijy? '' 57Ary efa nagnome beko ny lohan'ny mpisorogna sy ny Fariseo fa laha misy mahalala ny misy an'i Jesôsy, die tokony mivoria ijy mba hisamboran-dreo an'Aje.
Chapter 12

1Enin'andro melohan'ny Paska, die tonga tao Benita Jesôsy, ijay nipetrahan'i Lazarosy, ny efa natsangan'i Jasôsy tamin'ny mate. 2Ka nagnano sakafo hôn'Aje areo, ary Marta no nandroso anajy an'io, fa Lazarosy kosa die anisan'ny niara-nipetraka tamin'ny Jesôsy teo amin'ny latabatra.3 Avy teo Maria nangala menaka magnitre ray litatre ijay vita tamin'ny narda sarobidy, ka nagnosotra ny tongotr'i Jesôsy tamin'ijany, ary namafa ny tongony tamin'ny volon-dohane. Feno ny hagnitrin'ny menaka ny tragno.4Ary Jodasy Iskariota, raike tamin'ny mpianane, ijay hamadika Anajy, nagnano hoe:5 "Nagnino io menaka io no tsy namidy 300 dinaria die namena ny mahantre?" 6Ary ijy milaja ijany, tsy nohon'ny fiahiane ny mahantre, fa satria mpangalatra ijy: tamin'ajy ny kitam-bola ary ho nangalarine ijay natao tao.7Jesôsy nagnano hoe: "Avelao ijy mba hitajogna ijay hagnanany ho amin'ny andro handevegnana Anahy. 8Ho eo aminareo mandrakariva ny mahantre, fa Iaho koja tsy ho eo aminareo mandrakariva."9Ary nisy vahôka maro no tamin'ny jiosy nahafantatre fa teo Jesôsy, ka nagnatogna areo, tsy ho an'i Jesôsy rery mandy, fa mba hahita an'i Lazarosy mandy koa, ny natsangan'i Jesôsy tamin'ny mate.10 Ny lohan'ny mpisorogna die nitetika niaraka mba hahafahan'dreo manosika an'i Lazarosy amin'ny fahafatesana mandy koa; 11satria noho Ijy no nahatonga ny ankabiajan'ny jiosy andeha ary nino an'i Jesôsy.12Ny ampitso die vahôka maro no tonga tamin'ny andro fifalefalena. Laha efa regnin'dreo fa ho avy ao jerosalema Jesôsy, 13die nangala sampa-drofia areo ary nivôke ka nitsena Anajy tamin'ny haike mafy hoe: "Hosanna! Sambatra anie ny avy amin'ny anaran'ny Tompo, ny mpanjakan'Israely."14Ary Jesôsy nahita jana-boriky raike ka nipetraka teo ambonine; 15Araka ny vôsoratra hoe: "Aja matahotre, ry janakaviavin'i Ziona; jahao, igny miala agny ny Mpanjakanareo, ijay mipetraka eo ambonin'ny jana-boriky."16Tsy nahajo ny raha io ny mpianane tamin'ny vôlohane; fa laha efa namem-boninahitra Jesôsy, die tsarôn'dreo fa vôsoratra momba Anajy io raha io ary efa nataon'dreo taminajy ijany.17Ary ny vahôka ijay niaraka taminajy tamin'ny nagnatsovane an'i Lazarosy hivôka ny fasagna sy nanangagna anajy tamin'ny maty die samy nijoro vavolombelogna aby.18 Noho ijany antony ijany mandy koa no nahatonga ny vahôka hitsena Anajy, satria regnin'dreo fa nagnano ijany famantarana ijany Ijy. 19Ny Fariseo noho ijany nifampiresaka hoe: "Jahao, tsy afaka magnano n'ino n'ino anareo; igny, magnaraka Anajy ijao tontolo ijao."20Ary nisy grika vitsivitsy tamin'ny ijay niakatra hidera agny amin'ny fifalefalena.21 Nandeha agny amin'i Filipo areo, ijay avy agny Betsaida agny Galilia, ary nagnotany anajy, magnano hoe: "Tompoko, mba ta-hahita an'i Jesôsy ahay." 22Die lasa Filipo ka nijaka tamin'i Andrea; die lasa Andrea niaraka tamin'i Filipo, ary nijaka an'i Jesôsy areo.23Jesôsy namaly andreo ka nagnano hoe: "Efa tonga ny fotôgna hagnomejana voninahitra ny Janak'olo. 24Lajaiko aminareo, marina, die marina tokôtre, fa laha tsy latsaka amin'ny tany ny vôm-bary ka mate, die mipetraka amin'ny tegnany rery mandy ijany; fa laha maty ijany, die hamokatra be.25Ijay tia ny fiaignane die hagnary ijany; fa ijay mankahala ny fiaignany eto amin'ijao tontolo ijao koja die hitajogna ijany ho agny amin'ny fiaignana mandrakijay. 26Laha misy mpanompo Anahy, Ôka ijy hagnaraka Anahy; ary ijay hipetrahako, die ao mandy koa no hipetrahan'ny mpanompoko. Laha misy mpanompo Anahy, die hagnome voninahitra anajy ny Ray.27Ankehitriny mangorohoro ny fagnahiko ary ino no tokony ho jakaiko? 'Ray o, vonjeo amin'itoy ora itoy Iaho'? Kanefa noho ijany antony ijany no nahatongavako amin'ijao fotôgna ijao. 28Ray o, hankalajao ny anaranao." Avy teo nisy feo nanako avy agny an-dagnitra nagnano hoe: "efa nankalajaiko ijany ary bola ho ankalajaiko ndraike."29 Ary ny vahôka nitsangagna teo sy naharegny ijany die nilaja fa nisy kotroka teo. Ny saragne nilaja hoe: "Nisy anjely niresaka taminaje."30Jesôsy namaly ary nijaka hoe: "Ijany feo ijany die tsy tonga ho Anahy, fa ho anareo.31 Tonga ankehitriny ny fitsarana an'ijao tontolo ijao: Ary die ho roahina ny mpanapaka ijao tontolo ijao.32Laha hasandratre hiala amin'ny tany Iaho, die hitaogna ny kiraidraike hagnarake anahe. " 33Novorianina ijany mba hanehôna hoe karajana fahafatesana hôtranino no hahafatesane.3634 vahôka namale anaje hoe, "Regninay tamin'ny lalàna fa kristy die hijanogna mandrakijay. Ahôna no ahafahanao mijaka hoe: 'Ny janak'olo die tsy mentsy hasandratre'? Ija ijany janak'olo ijane?"35 Avy Jesôsy nijaka andreo hoe: Ny hajavana die mbola hiaraka aminareo mandritra ny fotôgna lehibe. Mandihana dieny bola managna hajavana, mba tsy hafahan'ny hejigna die meloha anareo. Ijay mandeha amin'ny hejigna die tsy mahalala ny lalagna hombane. 36Laha bola managna ny hajavana anareo, die minoa ijany mba ho janakin'ny hajavana anareo. Jesôsy nijaka ny raha io avy teo die tsy hita fa nivony anaje areo.37Na die nagnano famantarana be teo agnatrehan'dreo Jesôsy, die tsy ninôn'dreo38 mba ho tanteraka ny jahan'Isaia mpaminagny, ijay nijaka hoe: "Tompo, ija no nino ny tatitray, die ija no nampisehôna ny sandrin'ny Tompo?"39Noho ijany antony ijany die tsy nino areo, araka ny vôlajan'Isaia hatragny hoe:40 Nohajambaine ny mason'dreo, ary nihamafisine ny mason'dreo ary hahajo amin'ny fon'dreo; ka hitodike, ary Iaho hagnafaka an-dreo."41Isaia nijaka ny raha io satria hitane ny voninahitr'i Jesôsy ka nivoria momba Anaje.42 kanefa na ijany aja, die be tamin'ny mpanapaka no nino an'i Jesôsy; fa noho ny fariseo, die tsy nagneke ijany areo mba tsy ho vôsakagna ho ao amin'ny Synagoga. 43Tien'dreo loholoho ny fiderana avy amin'ny olo noho ny fiderana avy amin'Andriamanitra.44Jesôsy nangaike mahare ka nijaka hoe: "ijay raika mino Anahe, Aja mino Anahe raike mandy fa koa Ijy ijay magnirake Anahe,45 ary ijay raike mahita Anahe die mahita Anajy ijay nagnirake anahe.46Iaho die avy hôtrany hajavana teto amin'ijao tontolo ijao, mba tsy hipetraka ao agnaty hejigna ijay mino anahe.47 Laha misy maharegny ny janako nefa tsy mitandrigna ijane, die tsy hitsara anajy Iaho; satria Iaho tsy hitsara ijao tontolo ijao, fa hagnavotre, ijao tontolo ijao.48Ijay mandà Anahe sy tsy mandray ny jakako, die managna raike ijay mitsara anaje. Ny raha ijay nijakaiko no hitsara anaje amin'ny andro farane.49 Fa Iaho tsy nijaka hônahe, fa ny Ray ijay nagniraka Anahe, ijay magnome Anahe ny didy amin'ijay ho jakaina sy ho vorianina. 50Fantatro fa ny didine die fiaignana mandrakijay, koa jakaiko—die jakaiko araka ijay jakain'ny Ray taminae."
Chapter 13

1Die ny andro meloha ny fetin'ny Paka ijao. Fantan'i Jesôsy fa tonga ny fotôgna hengane eto amin'ijao tontolo ijao ka henga agny amin'ny Baba. Rehefa nitia ny mpiaradia taminajy teto amin'ijao tontolo ijao Ijy, die nitia andreo laha tamin'ny farane. 2Die ny devoly die efa nametrake ijao tao an-tsaignan'i Jodasy Iskariota Janak'i Simona, die ny hamadihana an'i Jesôsy.3Ijy die nahafantatre fa ny raha abiaby die efa napetrakin'ny Baba teo am-pelatanagne ary Ijy die laha tamin'Andriamanitre ary hiverigna agny amin'Andriamanitra. 4Nitsangana Ijy teo am-pihinana ary nangala ny akanjone ivelagne. Avy eo Ijy nangala lamba ary nitsanjo ijany.5 Avy eo nagnidigna rano tao agnaty siny Ijy die nanomboke nanasa ny tongotran-dreo mpianatre ka namafa andreo tamin'ny lamba nisanjovane.6Nagnatogna an'i Simona Petera Ijy, die hoy Petera taminajy hoe: ''Tompo, hanasa ny tongotrako ve Anao?'' 7Jesôsy namaly die nijaka taminajy hoe: ''Ijay amboariko die mbola tsy ho ajonao ijao ny hivine, fa ho ajonao mandy ijany agny afara.'' 8Hoy Petera taminajy hoe: ''Tsy hanasa ny tongotrako mihintsy Anao.'' Jesôsy namaly anajy hoe: ''Laha tsy manasa ny tangotranao Iaho, die tsy managna anjara ato aminahy anao.'' 9Hoy Simona Petera taminajy hoe: ''Tompo, aja ny tongotrako mandy no sasana, fa ny tagnako sy ny lohako mandy koa.''10Hoy Jesôsy taminajy hoe: ''Ijay efa nandro die tsy mila ijany, hafa-tsy ny manasa tongotrene mandy, fa ijy die efa madio tanterake; anao die madio, fa tsy ny abiaby anefa.''11 (Satria efa fantan'i Jesôsy hoe ija ny hamadike Anajy; ijany no antone nijakany hoe: ''Tsy anareo manontolo no madio.'')12Ka laha avy nanasa ny tangotran-dreo Jesôsy sy nangala ny lambane ka nidoboke ndraike, die hoy Ijy tamin-dreo hoe: ''Fantatrareo ve ny namboariko ho anareo? 13Angihinareo Iaho hoe 'mpampianatre' sy 'Tompo ' ary marina ny vôlajanareo, satria ijany tokôtre Iaho.14 Fany laha Iaho, sady Tompo no mpampianatre, no manasa ny tongatrareo, anareo mandy koa die tokone hifanasa ny tongotre anreo.15 Satria efa nagnome ohatre ho anareo Iaho ka mba tokone hagnano hôtran'ny namboariko ho anareo mandy koa anareo.16Jakaiko aminareo, marina, die marina tegnane, fa ny mpanompo die tsy angeja kokoa noho ny tompone; na koa ny mpitondra hafatre die tsy angeja kokoa noho ny nagnirake anaje.17 Laha fantanareo reo raha reo, die ho tahina anareo raha magnantanteraka ijany.18 Tsy anareo abiaby no ivorianako; fantako reo jay nofidiko- fa ijany die mba hahantanterake ny Soratra Masina hoe: 'IJay mihinagna ny mofoko die nanagnakatre ny vodi-tongone hamadike Anahe.'19Jakaiko aminareo jao ijany melohan'ny hitrangany mba rehefa mitranga ijany, die mety hino anareo fa Iaho no Ijy.20 Jakaiko aminareo, marina, die marina tegnane, fa ijay mandray ny nirahiko, die mandray Anahe, ary jay mandray Anahy, die mandray Anajy ijay nagnirake Anahe.''21Rehefa nijaka jay Jesôsy die nangorohoro ny fagnahine. Nagnambara Ijy die nijaka hoe: ''Jakaiko aminareo, marina, die marina tegnane fa hisy raike aminareo hamadika Anahe.''22 Nifampijaha areo mpianatre, nagnotany tegna hoe ija ijao jakainy jao23Nisy raike tamin-dreo mpianagne, jay tian'i Jesôsy, nitoboke teo amin'ny latabatre ampitan'i Jesôsy. 24Nagnatogna io mpianatre io Simona Petera die nijaka hoe: ''Agnotanio Anajy hoe ija jao jakainy jao.'' 25Ka niverigna niankina tamin'i Jesôsy ijy die nijaka taminajy hoe: ''Tompo, ija jao?''26Avy eo Jesôsy namale hoe: ''Ny raike jay handonako sy homeko ity mofo ity ijany.'' Ka nilemane ny mofo, die nomeny an'i Jodasy janak'i Simona Iskariota ijany. 27Ary tafaran'ny mofo, die niditre tao amin'ny satana, ka hoy Jesôsy taminajy hoe: ''Ijay amboarinao, amboaro malaky ijany.''28Tamin'ijay andreo manontolo teo an-databatre tsy nisy nahafantatre ny antone nijakan'i Jesôsy anajy ijany.29 Ny saragne nieritreritre hoe, satria Jodasy no nitajogna ny kitapom-bola, no nijakan'i Jesôsy taminajy hoe: ''Vangao ny raha manontolo ilaintsena amin'ny andro hilagnonana,'' na hoe tokone hagnome raha ho an'ny misotry ijy.30 Laha vô avy nandray ny mofo i Jodasy, die nega nivôke nalaky ijy. Aligna ny andro tamin'ijay.31Raha nenga Jodasy, die hoy Jesôsy hoe: ''Ankehitriny die homem-boninahitre ny zanakolo, die Andriamanitra die omem-boninahitre ao aminaje.32 Andriamanitra die hagnome voninahitre Ajy ao amin'ny tegnane,ary Ijy hagnome voninahitre Ajy avy hatragny. 33Ry jamadinike, fotôgna fohy sisa no hiarahako aminareo. Handrembe Anahy anareo, die arake jay nijakaiko tamin'ny Jiosy hoe: 'Ijay ombako, tsy ajonareo ombana.' Die jakaiko aminareo koa ijany amijao.34Didy vaovao no ameko anareo, die ny hifankatiavanareo; hôtrany nitiavako anareo, no tokne hifinkativanareo mandy koa.35 Amin'ijany no hahafantaran'ny manontolo fa mpianatro anareo, laha mifankatia anareo.''36Hoy Simona Petera taminajy hoe: ''Tompo, fa henga hoaija Anao?'' Namaly Jesôsy hoe: ''Ijay ombako, die tsy afake hagnarahanareo Anahy ijao, fa hagnarake anareo agny afaragny.''37 Die hoy Petera taminajy hoe: ''Tompo, nagnino iah no afake magnarake Anao ijao? Hafoiko ho Anao ny aink.'' 38Die namaly Jesôsy hoe: ''Hafoinao ho Anahy ve ny aignao? Jakaiko aminao, marina die marina tegnane, fo mbola tsy hagneno akory ny akoho die efa handà Anahy in-telo anao.''
Chapter 14

1Aja avela hangorohoro ny fonareo. Mino an'Andriamanitra anareo, die minoa an'Ahe koa. 2Misy efitra rahbe ao an-dragnon,iabako, Laha toa ka tsy ijany,die efa nijaka taminareo Aho, fa hanomagna toerana ho anareo. 3Laha henga iaho ary hanomagna toerana ho anareo, die hiverina indraike Iaho ary handray anareo amin'Ahe, ka ijay misy an'Ahe die hisy anareo koa.4Anareo mahalala ijay hombako.''5 Hoy Tomasy tamin'ny Jesôsy hoe:''Tompo, tsy fantatray ijay hombanao, Ahôna no hahafantaranay ny lalagna?" 6Hoy Jesôsy taminy hoe:" Iaho no lalagna, fahamarinana, ary fiaignana; tsy misy magnatona ny Ray raha tsy amin'ny alalako. 7Laha nahafantatra an'Ahe anareo, die tokony hahafantatra an'Iabako koa. Manomboke ijao die fantatrareo Ijy ary efa hitanareo."8Hoy Filipo tamin'i Jesôsy hoe:'' Tompo, atoroy anay ny Ray, die ampy ho anay ijany."9 Hoy Jesôsy tamin'ajy hoe:" Efa hatamin'ny ela no niarahako taminareo die mbola tsy fantatrareo mandy ve aho, ry Filipo? N'ija n'ija nahita an'Ahe die nahita ny Ray. Koa ahôna no hijakanareo hoe: 'Atoroy anay ny Ray'?10Tsy mino ve anareo fa ao amin'ny Ray iaho ary ny Ray ato amin'Ahe? Ireo teny ijay jakaiko aminareo die tsy jakaiko avy fahefako manokagna, fa ilay Ray velogna ato agnatiko no magnano ny asane. 11Minoa an'Ahe fa Iaho die ao amin'ny Ray, ary ny Ray ato amin'ahe, laha tsy ijany die minoa noho ireo asa manokagna.12Jakaiko aminareo, aminareo, marina, die marina tokôtre, ijay mino an'Ahe die hagnano ny asa ijay hataoko, ary hagnano asa lehibe mihôtre noho iregne ijy satria ho any amin'ny Ray Aho. 13N'ino n'ino angatahinareo amin'ny agnarako, die tanterahiko ijany mba hanomejam-boninahitre ny Ray ao amin'ny Janaka. 14Laha mangatake raha amin'ny agnarako anareo, die ho tanterahiko ijany.15Laha tia an'Ahe anareo, die hitandrigna ireo didiko, 16ary hivavake amin'ny Ray aho, die hagnome anareo Mpampahery hafa Ijy mba ho eo aminareo mandrakijay ijy--- ny fagnahin'ny fahamarinana. 17Tsy afake mandray an'Ajy ijao tontolo ijao satria tsy mahita na mahafantatre an'Ajy. Fa anareo koja mahalala an'Aje, satria mipetrake miarake aminareo Ijy ary ao agnatinareo.18Tsy hamela anareo ho irere Iaho; mbola hiverigna aty aminareo Iaho. 19Afake fotôgna vitsy mandy die tsy hahita an'Ahe koa ijao tontolo ijao, fa anareo mahita an'Ahe. Satria velogna aho, die hovelogna mandy koa anareo. 20Ary amin'ijay andro ijay die ho fantarareo fa ao amin'ny Iabako Iaho, ary anareo ato amin'Ahe, ary Iaho ao aminareo.21Ijay managna ireo didiko ka mitandrigna iregny die ijy ilay tia an'Ahe ary ijay tia an'Ahe die ho tiavin'ny Iabako koa, ary Iaho hitia an'Aje sy hiseho aminareo." 22Hoy Jodasy (tsy Iskariota) tamin'ny Jesôsy hoe:''Tompo, nahôna anao no hiseho aminay fa tsy amin'ijao tontolo ijao?''23Jesôsy namaly ary nijaka tamin'ajy hoe: "Laha misy olo tia an'Ahe, dia hitandrigna ny teniko ijy. Hitia an'ajy Iabako, ary ho avy amin'Aje ahay ary hagnamboatre ny fipetrahanay miarake amin'Aje. 24Fa ijay tsy tia an'Ahe dia tsy mitandrigna ny teniko. Ny teny ijay regninareo die tsy avy amin'Ahe fa avy amin' Iabako ijay nagniraka an'Ahe.25Efa nijakaiko taminareo ireo raha ireo, laha mbola nijanogna niaraka taminareo Aho.26 Kanefa, ilay Mpampahery--- Ilay Fanahy Masina, ijay hirahin'ny Ray amin'ny Agnarako_ijy no hampianatra anareo ny raha abiaby sy hampatsiaro ijay abiaby nojaikaiko taminareo. 27Fiadagnana no avelako ho anareo; omeko anareo ny fiadagnako. Tsy omeko hôtran'ny fanomejan'ijao tontolo ijao ijany. Aja avela hangorohoro ny fonareo, ary aja mangoaigna.28Efa regninareo Iaho nijaka taminareo hoe : Henga Iaho, ary himpody agny aminareo indraike.' Laha nitia an'Ahe anareo, die tokony hiravoravo satria handeha ho agny amin'Iabako Iaho satria ny Iaba die lehibe loholoho noho Iaho. 29Ary nijakaiko anareo diegny mbola tsy mibôke ijany, mba hino anareo, laha mitranga ijany. 30Tsy hijaka rahabe aminareo koa Iaho, fa efa ho avy ny mpanapaka ijao tontolo ijao. Tsy managna fahefana amin'Ahe Ijy, 31fa mba hahafantaran'ijao tontolo ijao fa tiako ny Ray, die amboariko hôtrin'ny nandidian'ny Ray an'Ahe. Andao hitsagagna antsena ary hiala itoy."
Chapter 15

1''Iaho no tena vôloboka, ary ny Raiko no mpamboly. Alainy tato Aminahy ny sampagna manontolo 2ijay tsy mamoa vônkajo, ary rantsagniny ny sampagna ijay mamokatra ba hamoa vônkajo rahabe kokoa ijany.3Efa madio anareo noho ilay hafatra ijay nijakaiko taminareo.4 Mitoboha ato Aminahy, ary Iaho ao aminareo. Tahaka ny sampagna tsy afaka mamokatra vôkanjo amin'ny tegnany laha tsy mitoboka ao amin'ny vôloboka ijany, die hôtrany ijany koa anareo, laha tsy mitoboka ao Aminahy.5Ijao no vôloboka, anareo no sampagna. Ijay mitoboka ato Aminahy, ary Iaho ao aminajy, die mamokatra be ijy, fa laha tsy misy anahy die tsy mahavita na ino na ino anareo.6 Laha misy olo tsy mitoboka ao Aminahy, die hariena hôtran'ny sampagna ijy ary halajo, ary ijy ireo mamory ireo sampagna ary magnary an'ijany agny amin'ny afo, ary may ijy ireo.7 Laha mitoboka ao Aminahy anareo, ary laha mitoboka ao aminareo ireo ny jakako, angatahy na ino na ino irinareo, die hatao aminareo ijany.8Ny Raika die omen-boninahitra amin'ijao, die ny hamokaranareo vôkanjo rahabe ka ho famantarana fa mpianatro anareo.9 Hôtra ny nitiavan'i Ray Anahy, no nitiavako anareo. Mitomoera ao amin'ny fitiavako.10Laha mitandrigna ireo didiko anareo, die hitoitra ao amin'ny fitiavako, hôtra ny nitandremako ireo didin'ny Raiko sy nitoerako tao amin'ny fitiavany. 11Nilajaiko aminareo ireo raha ireo ba ho ao aminareo ny fifaleko ary ba ho feno ny fifalenareo.12Ijao no didiko, die ny hifakatiavanareo hôtran'ny nitiavako anareo. 13Tsy misy managna fitiavana lehibe mihôtra Anahy, die ny magnome ny aigny hôn'ireo sakejany.14Akamako anareo laha magnano ireo raha andidieko anareo ireo. 15Tsy hangaika anareo hoe mpanompoko koa Aho, satria ny mpanompo die tsy mahalala ijay amboarin'ny Tompony. Nangihiko hoe akamako anareo, satria ny raha manontolo ijay regniko tamin'ny Raiko, die nampahalalaiko anareo.16Tsy nifidy Anahy anareo, fa Aho no nifidy anareo ary nanendry anareo ba hamokatra, ary ba tokony hiperaka ny vokatrareo. Namboarina ijany ba na ino na ino angantahinareo amin'ny Ray amin'ny agnarako, die hameny anareo ijany.17 Io raha io no andidieko anareo ba hifakatiavanareo.18Laha tsy tia anareo ijao tontolo ijao, fantary fa nankahala Anahy ijy talohan'ny tsy nitiavany a areo. 19Laha avy ami'ijao tontolo ijao anareo, die ho tien'ijao tontolo ijao hôtran'ny anajy anareo. Fa satria tsy an'ijao tontolo ijao anareo ary nifidiko hiala amin'ijao tontolo ijao, noho ijany die halain'ijao tontolo ijao anareo.20Tadidio ny jaka nijakaiko taminareo hoe: "Ny mpanompo die tsy lehibe mihôtra ny Tompony.' Laha nagnenjika Anahy ijy ireo, die gagnénjika anareo koa; ary laha nitandrigna ny jakako ijy ireo, die hitandrigna nenareo koa. 21Hagnano ireo raha manontolo ireo aminareo ijy ireo nohon'ny Agnarako, satria tsy fantatrandreo Ijy ijay nagniraka Anahy.22 Laha tsy avy sy nijaka tamindreo Aho, die tsy ho nagnota areo, fa ankehitriny tsy afa-miala amin'ny fahotany ijy ireo.23Ijay mankahala Anahy die mankahala ny Raiko mandy koa.24 Laha tsy nahefa ireo asa ijay tsy namboarin'ny olo hafa teo agnivondreo Aho, die tsy ho nanagna heloka ijy ireo, fa ankehitriny efa sady hitane no sady halany Iaho sy ny Raiko. 25Fa ijany die ba hahatotosa ny jaka ijay vôsoratra ao amin'ny lalànandreo hoe: 'Mankahala Anahy amin'ny tsy misy dikany ijy ireo.'26Laha efa ho avy ilay mpampahery ijay hirahiko aminareo avy amin'ny Ray, ilay, fagnahin'ny fahamarinana, ijay mivôka lahatamin'ny Ray, die hajaka ny mahakasika Anahy Ijy. 27Anareo mandy koa die mijoro vavolombelogna satria efa niaraka taminahy hatragny am-pedohana anareo.
Chapter 16

1"Nolajaiko taminareo ijane javatre rehetra ijane ba tsy ho solafake anareo. 2Ho roahin-dreo amin'ny synagoga anareo. Fa avy ny andro raha hihevitre ijay rehetra mamono anareo fa ijy dia manolotre javatre tsara ho an'Andriamanitre.3Ho ataon-dreo ijane satria tsy mahalala ny Ray na ny tegnako areo. 4Nijakaiko anareo igne javatra igne ba raha avy leran-dreo, die ho tsarônareo f'efa nijakaiko taminareo ny momban-dreo. Tsy nijakaiko taminareo igne javatra igne tagne am-pendohana, satria bola teo aminareo Aho.Fa am'ijao ho agne amin'ilay nagnirake an'Ahe Aho, nefa tsy bola nisy nagnotane an'Ahe anareo hoe: " Handeha ho aja moa anao?" Fa satria nolajaiko taminareo igne javatre igne, die nalahelo no nameno ny fonareo. Fa lajaiko marina aminareo, tena tsara hônareo ny handehanako. Satria raha tsy mandeha Aho, die tsy ho avy aminareo ny Mpampahere, fa raha mandeha Aho, die handeha an'Aje ho aminareo.8Raha avy ijy, die hagnaporofo amin'ijao tontolo ijao ho diso momban'ny fahotana, ny fahamarinana, ary ny fitsarana__9momban'ny fahotana mpampahere, satria tsy mino an'Ahe areo; 10momban'ny fahamarinana, satria hody amin'ny Ray Aho, ka tsy ho hitanareo koa; 11ary momban'ny fitsarana, satria ny mpanapaka ijao tontolo ijao die nitsaraina.12Managna javatre maro hambara aminareo Aho, fa tsy ho ajonareo ny hevitr'ijane ijao. 13Kanefa, raha avy ijy, Fagnahin'ny fahamarinana, die hitarike anareo ho amin'ny fahamarinana rehetra, satria tsy hijaka avy amin'ny tegnane ijy. Fa hilaja ijay rehetra regnine ijy, ary hijaka aminareo io javatre ijay ho avy. 14Hagnome voninahitre an'Ahe ijy, satria ny avy amin'Ahe mandy no hijakaine aminareo.15Ijay rehetre anagnan'ny Ray die an'Ahe. Noho ijane, nijaka Aho fa ilay Fagnahy die hangala amin'ijay an'Ahe ary hijaka an'ijane amin-dreo. 16Afake fotôgna fohike die tsy hahita an'Ahe koa anareo, ary afake fotôgna fohike hafa die hahita an'Ahe indraike anareo."17Avy eo ny sasagne tamin-dreo mpianane nifampiresake hoe: " Ino ary ijane lajaine amin-tsena ijane hoe: 'Afake fotôgna fohike die tsy hahita an'Ahe koa anareo ary afake fotôgna fohike die hahita an'Ahe indraike anareo,' sy hoe: 'Satria ho agne amin'ny Ray Aho?" 18Noho ijane die hoy areo hoe: "Ino ary ijany lajaine ijane hoe: 'Afake fotôgna fohike'? Tsy fantatray ny tiene hambara."19Hitan'i Jesôsy fa te-hagnotane an'Aje areo, die hoy ijy tamin-dreo hoe: " Ijao ve no agnotanenareo tegna, die ny tieko hilajaina amin'ny fijakana hoe: ' Fotôgna fohike sy tsy hahita an'Ahe koa anareo, ary afake fotôgna fohike indraike nefa die hahita an'Ahe anareo'?20Lajaiko aminareo, marina die marina tokôtre, fa hitomagny anareo ary hitaraigna, fa ijao tontolo ijao koja hifale. Ho feno alahelo anareo, kanefa ho lasa hafalena ijane alahelonareo ijane.21Raha mihetsi-jaja ny viave raike die malahelo satria avy ny fotôgnane, fa raha terake koja ilay jajakele, die tsy tsarône koa ny alahelone nohon'ny hafalene fa nisy jajakele terake eo amin'ijao tontolo ijao.22Ka malahelo anareo amin'ijao, kanefa Aho bola hihaogna aminareo indraike, ary ho fale ny fonareo, ary tsy hisy hangala ijane hafalenareo ijane aminareo. 23Amin'ijane andro ijane die tsy hangatake amin'Ahe na ino na ino anareo. Lajaiko aminareo, marina, die marina tokôtre, raha mangatake na ino na ino amin'ny Ray amin'ny agnarako anareo, die hamene anareo ijane. 24Hatramin'ijao anefa tsy bola nangatake na ino na ino tamin'ny agnarako anareo. Mangataha, die homena anareo ba ho feno ny hafalenareo.25Efa nilajaiko taminareo tamin'ny fagnoharana ireo javatre ireo, fa avy ny lera rehefa tsy hivoria aminareo amin'ny fagnoharana koa Aho, nefa koja hilaja aminareo majava ny momban'ny Ray.26Amin'ijane andro ijane die hangatake amin'ny agnarako anareo ary tsy hilaja anareo Aho hoe: hivavaka amin'ny Ray ho anareo, 27fa ny Ray mihintsy no tia anareo satria nitia an'Ahe anareo ary nino fa avy agny amin'ny Ray aho.28Avy amin'ny Ray Aho, ary avy teto an-tane. Fa handao ijao tontolo ijao Aho ary ho agny amin'ny Ray."29Hoy ny mpianany tamin'ajy hoe: " Jahao, Amin'ijao Anao mijaka majava tsara ary tsy mampiasa fagnoharana. 30Fantatray amin'ijao fa mahalala ny java-drehetra Anao, ary tsy misy tienareo hametraka fagnotaniena aminao. Noho ijany, die mino ahay fa avy amin'Andriamanitra Anao." 31Namaly an-dreo Jesôsy hoe: " Mino amin'ijay ve anareo?32Indro, avy jao ny lera, Eka, tonga tokôtra, laha efa hiparitaka anareo, ny tsirairay samy agny amin'ny tragnony aby manokagna, die havelanareo rery Iaho. Nefa tsy irery Iaho satria miaraka aminahy ny Ray. 33Efa nijakaiko taminareo ireo raha ireo ba hanagna fedagnana ato amin'ahy anareo. Managn'olagna anareo eto amin'ijao tontolo ijao, nefa mahereja: "efa nandresy ijao tontolo ijao Iaho."
Chapter 17

1Laha avy nijaka ireo raha ireo Jesôsy, die nanandratre ny masony ho amin'ny lanitra Ijy ka nagnano hoe:" Ray ô, tonga ny fotôgna mankalazà ny Janakao mba hankalajan'ny Janaka Anao_ 2hôtrin'ny nagnomejanao an'Ajy fahefana ambonin'ny nofo abiaby mba hagnomejany fiaignana mandrakijay ho an'ijay abiaby naomenao an'Ajy.3Ijao no fiaignana mandrakijay: die ny ahafantaran-dreo Anao, ilay Andriamanitra tokagna sady marina, ary Ijy ijay nirahinao, die Jesôsy Kristy. 4Nankalaja Anao iaho teto an-tany, Efa vitako ny asa ijay nomenao an'Ahy ho amboariko. 5Ankehitriny, ry Ray, hankalajao miaraka amin'ny tegnanao Iaho amin'ny voninahitra ijay nanagnako niaraka taminao talohan'ny nahariana ijao tontolo ijao.6Nampahafantatre ny angaranao tamin'y olo ijay nomenao an'Ahy avy amin'ijao tontolo ijao Iaho, Anao iregne, ary nomenao an'Ahe, ary notandremany ny teninao. 7Ankehitriny fanta-dreo fa ny raha abiaby ijay nomenao an'Ahy die avy aminao, 8satria nomeko an-dreo abikoa ny teny ijay nomenao an'Ahy. Noresin-dreo iregne ary fantany marina fa avy taminao Iaho, ary nino areo fa Anao no nagniraka an'Ahy.9Mivavaka ho an-dreo Iaho. Tsy mivavaka ho an'ijao tontolo ijao Iaho fa ho an'ireo ijay nomenao an'Ahy, noho areo Anao. 10Ny raha abiaby ijay an'Ahy die Anao, ary ijay Anao die an'Ahy, ary hankalajaina amin'iregne Iaho. 11Tsy amin'ijao tontolo ijao koa Iaho, fa ireo olo olo ireo die eto amin'ijao tontolo ijao, ary magnatogna anareo Iaho. Ray masina ô, tajomy amin'ny anaranao ijay nomenao an'Ahy areo mba hitambatra ho raika, hôtrin'ny maha raika antsena.12Laha mbola teo amin-dreo Iaho, die nitajogna an-dreo tamin'ny agnaranao, ijay nomenao an'Ahy. Niaro an-dreo Iaho, ary tsy nisy very na die raika aja , afa-tsy ny janaky ny favaerejan mandy, mba ho tanterake ny Soratra Masina. 13Ary ho aminao Iaho fa milaja ireo raha ireo amin'ijao tontolo ijao Iaho mba hahatanteraka ny hafaliako eo amin-dreo. 14Efa nomeko an-dreo ny teninao, ary nankalain'ijao tontolo ijao areo satria tsy avy min'ijao tontolo ijao , hôtran'Ahy tsy an'ijao tontolo ijao.15Iaho die tsy mangataka Aminao ny hangalanao an-dreo amin'ijao tontolo ijao, fa ny mba hiarovanao an-dreo amin'ilay ratsy.16 Ijy ireo die tsy an'ijao tontolo ijao, hôtran'Ahy tsy an'ijao tontolo ijao . 17Hamasino amin'ny fahamarignana areo. Fa ny teninao ny fahamarignana.18Hôtra ny nagnirahanao an'Ahy ho amin'ijao tontolo ijao, no nagnirahako an-dreo ho amin'ijao tontolo ijao mandy koa. 19Fa noho ny fitiavako an-dreo no nagnamasinako ny tegnako, mba hagnamasigna ny tegnan-dreo amin'ny fahamarignana mandy koa.20Iaho tsy mivavaka ho an'ireo fotsiny fa ho an'ireo ijay hino an'Ahy amin'ny alalan'ny tenin-dreo koa 21mba ho raike mandy ijy abiaby, hôtra anao , Ray, ato amin'Ahy, ary Iaho ao aminao. Mivavaka Iaho mba ho ao amintsena mandy koa areo mba hinoan'ijao tontolo ijao fa nagniraka an'Ahy Anao.22Ny voninahitra ijay nomenao an'Ahy, die nomeko an-dreo, mba ho raike areo, hôtran'ny maha raika antsena. 23Iaho ao amin-dreo, ary Anao ato amin'Ahy-- ka ho tena raike tanterake tokôtre areo, mba ho fantatr'ijao tontolo ijao fa nagniraka an'Ahy Anao, ary nitia an-dreo hôtran'ny nitiavao an'Ahy.24Ray ô, ireo ijay nomenao an'Ahy die tiako hiaraka amin'Ahy na aja na aja misy an'Ahy, ary hahaita ny voninahitro, ilay voninahitra ijay nomenao an'Ahy satria nitia an'Ahy Anao talohan'ny nahariana ijao tontolo ijao.25Ray marina ô, tsy nahalala Anao ijao tontolo ijao, fa Iaho mahalala Anao; ary ireo mahalala fa nagniraka an'Ahy Anao. 26Nampahafantariko an-dreo ny agnaranao, ary mbola ho hampahafantariko ijany mba ho amin-dreo ny fitiavana ijay nitiavanao an'Ahy, ary Iaho ho ao amin-dreo."
Chapter 18

1Tafaran'ny nijakan'i Jesôsy an'ireo teny ireo, die nibôke niaraka tamin'ireo mpianatrane Ijy ho egny agnilane egny amin'ny lohasahan-dreke an'i Kidrona, ijay nisy saha nidirane sy ireo mpianatrane.2 Ary Jodasy, ijay hamadika an'i Jesôsy, nahafantatra ny toerana koa, satria nandeha matetika tegny Jesôsy sy ireo mpianatrane.3 Avy teon'igne Jodasy, nitarika andiana miaramila sy ireo mpiambigna raharaha saragne avy amin'ireo lohan'ny mpisorona sy Fariseo, nenga tagny nitondra jiro, fanala ary fitôvam-pediena.4Avy teon'igne Jesôsy, ijay efa nahafantatra ny raha abiaby hiseho amin'Aje, nagnantogna talohaka teo die nagnontany an-dreo hoe: "Ija no rombejinareo?"5 Namaly an'Ajy areo hoe: "Jesôsy avy agny Najareta". Die hoy Jesôsy tamin-dreo hoe: "Iaho no Ijy". Jodasy, ijay namadika an'Aje, die nitsangagna niaraka tamin'ireo miaramila mandy koa.6Ka laha nijaka tamin-dreo Ijy hoe: "Iaho no Ijy", die nihemotre areo ka nidaraboke tamin'ny tane. 7Avy teon'igne koa die nagnontany an-dreo Ijy hoe: "Ija no rombejinareo?" Die nijaka indraike areo hoe: "Jesôsy avy agny Najareta."8Jesôsy namaly hoe: "Nijaka taminareo Iaho fa Iaho no Ijy. Noho ijany laha mandrembe an'Ahe anareo, die abilay areo ito hienga."9 Ijany die mba hahatomombagna ny teny nijakainy hoe: "Amin'ireo ijay nomenao an'Ahe, tsy naseko very na die raike."10Avy teon'igne Simona Petera, ijay nanagna sabatra, nagnabôke ijany die nandraha ilay mpanompon'ny mpisoronabe ka nahatapake ny tadignine an-kavanana. Die Malko no agnaran'ilay mpanompo.11 Hoy Jesôsy tamin'i Petera hoe: "Asitriho ao amin'ny tragnone ny sabatrao. Tsy tokony hisotro ny kapôke ijay nomen'Iabako an'Ahy ve Iaho?"12Noho ijany ireo andiana miaramila sy ny kapiteny, ary ireo mpiambigna raharahan'ireo Jiosy, die nanambotre an'i Jesôsy sady namehe an'Aje. 13Nindôsin-dreo tagny amin'i Anasy Ijy alohake, satria ijy die rafojan-dahin'i Kaiafa, Ijay mpisoronabe tamin'io taogna io.14 Ary Kaiafa die ilay nagnome hevitra ireo Jiosy fa tsara loholoho laha misy olo raika maty hôn'ny fokon'olo.15Nagnarake an'i Jesôsy Simona Petera, die nambôtre hôtran'ijay mandy koa ny mpianatra raika hafa. Ary fantatr'ilay mpisoronabe ijany mpianatra ijany, die niditre niaraka tamin'i Jesôsy tao an-tokontanin'ny mpisoronabe ijy;16 fa Petera die nitsangagna tao ivelan'ny vavahady. Noho ijany ilay mpianatra hafa, ijay fantatry ny mpisoronabe, die nibôke ka nivoria tamin'ilay mpanompo viave ijay mpiambigna ny vavahady die nitondra an'i Petera hiditre.17Avy teon'igne ilay mpanompo viave, mpiambigna ny vavahady, nijaka tamin'i Petera hoe: "Anao koa ve tsy raika amin'ny mpianatr'io lelahy io?" Hoy ijy hoe: "Tsy ijy iaho".18 Ary nitsangagna teo ireo mpanompo sy ireo mpiambigna raharaha, die namelogna afon-kitay areo, satria nangatseke ny andro; ka nagnafana ny vatagnan-dreo. Petera koa niaraka tamin-dreo, nitsangagna teo sady nagnafana ny vatagne.19Nagnadigna an'i Jesôsy mahakasika ireo mpianatrane sy ny fampenarane ny mpisoronabe. 20Jesôsy namaly an'ajy hoe: "Nijaka ampahabemaso tamin'ijao tontolo ijao Iaho. Nampianatre fehijay tao amin'ny Synagoga sy tao amin'ny fengonana Iaho ijay nifampitarihan'ny Jiosy abiaby. Tsy nisy nijakaiko tambadimbadike.21 Nagnino anao no nagnadigna an'Ahe? Agnontanio an'ireo ijay niheno an'Ahe mahakasika ijay nijakaiko. Jahay, ireo olo ireo die mahafantatre ijay nijakaiko."22Laha avy nijaka ijany Jesôsy, die nisy raike tamin'ireo mpiambigna raharaha nitsangagna teo nanefake an'i Jesôsy sady nijaka hoe: "Ijany ve no fomba hamalenao ny mpisoronabe?" 23Jesôsy namaly an'ajy hoe: "Laha nijaka raha diso Iaho, mijoroa vavolombelogna amin'ijany diso ijane, fa laha marina, nagnino anao no nandraha an'Ahe?" 24Avy teon'igne Anasy nandefa an'Aje mifehe hoagny amin'i Kaiafa ilay mpisoronabe.25Ary nitsangagna Petera ka nagnafana ny vatagne. Avy teon'igne hoy ireo olo tamin'aje hoe: "Anao koa ve tsy raika amin'ireo mpianatrane? Nandà ijany ijy ary nijaka hoe: "Tsy ijy iaho?"26 Raike tamin'ireo mpanompon'ny mpisoronabe, ijay havan'ilay lelahy ijay nitapahin'i Petera tadigny, nijaka hoe: "Hôtrany hitako niaraka tamin'Ajy tao amin'ny saha koa anao?" 27Avy teon'igne Petera nandà indraike, ary avy hatragne die nagneno ny akoho.28Avy teon'igne nindôsin-dreo nienga tao amin'i Kaiafa ho agny agnaty rova Jesôsy. Mbola maraigna be ny andro tamin'ijany, ary areo die tsy niditre tao agnaty rova mba tsy ho vôloto fa efa hihinagna ny Paka.29 Ka nibôke teo amin-dreo Pilato ka nijaka hoe: "Ino no antone itorianareo itoy lelahy itoy?30 Namaly areo die nijaka tamin'ajy hoe: "Laha tsy mpagnano ratsy io lelahy, die tsy ho natolotray anao."31Noho ijany Pilato nijaka tamin-dreo hoe: "Indôsinareo Ijy, die tsarao araka ny lalànareo." Hoy ireo Jiosy tamin'ajy hoe: "Tsy rariny hônay ny manolotre olo ho faty."32 Nijaka ijany areo mba hahatomombagna ny tenin'i Jesôsy ijay nijakaine mba hilajàna hoe karajana fahafatesana hôtran'iaja no hahafatesane.33Avy teon'igne niditre tao agnaty rova indraike Pilato die nangaike an'i Jesôsy ary nagnontany an'Ajy hoe: "Anao ve no mpanjakan'ny Jiosy?"34 Jesôsy namaly hoe: "Magnontany avy amin'ny tegnanao ve anao, sa nisy hafa nivoria taminao ny mahakasika an'Ahe?35 Pilato namaly hoe: "Tsy Jiosy iaho, sa tsy ijane?" Ny vahôkanao sy ireo lohan'ny mpisorona no nanolotre anao tamin'ahe. Ino no namboarinao?"36Jesôsy namaly hoe: "Ny fanjakako die tsy avy ato amin'ijao tontolo ijao. Fa laha mba teto amin'ijao tontolo ijao ny fanjakako, die hiady ireo mpanompoko mba tsy hanolorana an'Ahe amin'ireo Jiosy. Fa amin'ijao fotôgna ijao ny fanjakako die tsy avy etiky."37 Avy teon'igne Pilato nijaka tamin'Ajy hoe: "Mpanjaka ary ve jany anao?" Jesôsy namaly hoe: "Vôlajanao fa mpanjaka Iaho. Fa hômin'ijany tanjogna ijany no nahaterahako, ary hômin'ijany antone ijany no neviako etoy amin'ijao tontolo ijao, mba hijorôko vavolombelogna amin'ny fahamarignana. Ireo abiaby ijay an'ny fahamarignana die miheno ny feoko."38Pilato nijaka tamin'Ajy hoe: "Ino no atao hoe marina?" Laha avy nijaka ijany ijy, die nibôke indraike ary nijaka tamin'ireo Jiosy hoe: "Tsy nahita fahadisôna amin'itoy lelahy itoy iaho.39 Fa anareo managna fomba ijay hagnafahako olo raike hôminareo amin'ny Paka. Noh'ijany tianareo ve ny hagnafahako aminareo ny mpanjakan'ny Jiosy?40 Avy teon'igne nitabataba mahare indraike areo sady nijaka hoe: "Tsy io lelahy io, fa Barabasy." Ary Barabasy die mpangalatre.
Chapter 19

1Avy eo nindôsin'i Pilato Jesôsy ka nilamognine. 2Nandrare satroka tsilo ireo miaramila.Napetra-dreo teo amin'ny lohan'i Jesôsy ijany ary nampitafe lamba volomparasy an'Aje. 3Nagnatona an'Aje areo ary nijaka hoe:' Arahaba, ry mpanjakan'ny Jiosy!" ary nandamoka an'Aje areo.4Avy eo nivoake indrike Pilato ka nijaka tamin-dreo hoe:" Indro,indôsiko aminareo eto ivelagny Ijy mba hahafantaranareo fa tsy mahita heloka amin'Aje iaho.''5 ka nivôke Jesôsy, nanao ilay fehiloha tsilo sy ilay lamba volomparasy. Hoy Pilato tamin-dreo hoe:" Indro itoy ilay lelahy!" 6Laha hitan'ny lohan'y mpisorogna sy ny manamboninahitra Jesôsy, die nihiake mahare areo ka nijaka hoe:'' Homboy Ijy, homboy Ijy!" die hoy Pilato tamin-dreo hoe:" Alainareo Ijy ary Homboy, fa iaho tsy mahita heloka Amin'Aje7Namale an'aje ireo Jiosy hoe:'' Managna lalana antsena, ary araka ny lalana die tokony ho faty Ijy satria mitonon-tegna ho Janak'Andriamanitra." 8Laha regnin'i Pilato ijany fagnambarana ijany, die nihanatahotra loholoho ijy, 9ary niditre tao amin'ny lapam-panjakana indraike ijy ka nijaka tamin'i Jesôsy hoe:"Avy aja ny fevianao?" kanefa tsy nagnome valin-teny an'aje Jesôsy.10Avy eo Pilato nijaka hoe:''Tsy managna hojakaina amin'ahe ve anao? Tsy fantatrao ve fa managna fahefana hagnafaka Anao iaho, sy fahefana hagnombo Anao?" 11Namaly an'aje Jesôsy hoe:'' Tsy managna fahefana amin'Ahe anao raha tsy nomena anao avy agny ambony ijany. Noho ijany, ijy ijay nanolotra an'Ahy taminao die managna heloke be loholoho."12Tamin'ijany valin-teny ijany, die niejaka ny hagnafake an'Aje Pilato, fa nihiaka mahare ireo Jiosy, nagnano hoe:'' Laha afahanao io lelahy io, die tsy akaman'i Kaisara anao. Ijay abiaby magnano ny tegnany ho mpanjaka die manohitre an'i Kaisara. 13Laha regnin'i Pilato ireo jaka ireo,dia nindosiny nivôke Jesôsy ary nidoboke teo amin'ny seja fitsarana ijay antsoina hoe"lampivato'', fa amin'ny jaka Hebreo hoe ''Gabata''14Ary avy ny andro fagnomagnana ny Paka, teo amin'ny lera faha enina teo. Hoy Pilato tamin'ireo Jiosy hoe:" Indro itoy ny mpanjakanareo!" 15Nihiake mahare areo hoe:" Abilao Ijy,abilao Ijy; homboy Ijy!'' Hoy Pilato tamin-dreo hoe:" Tokony hagnombo ny mpanjakanareo ve iaho?" Namaly ireo lohan'ny mpisorogna hoe:" tsy managna mpanjaka ankôtran'ny Kaisara ahay." 16Avy eo die natolotr'i Pilato an-dreo ho homboina Jesôsy.17Avy eo nalain-dreo Jesôsy, ary nandeha nivôke Ijy, nilanja ny hajofijaliana, ho agny amin'ilay toerana hoe "toeran'ny karandoha," ijay amin'ny Hebreo antsoina hoe "Golgota."18 Nohomboin-dreo tagny Jesôsy, ary nisy lelahy roa hafa niarake tamin'Aje, raike isaky ny ilany, ary Jesôsy teo ampivoany.19Nanoratra famanatarana mandy koa Pilato ary nametake an'ijany teo amin'ny hajofijaliana. Ijao no vôsoratra teo: JESOSY AVY AGNY NAZARETA, NY MPANJAKAN'NY JIOSY.20 Rahabe tamin-dreo Jiosy no namaky an'ijany famantarana ijany satria tsy lavitra ny tanana no misy ny toerana nanomboana an'i Jesôsy. Ilay famantarana die nosoratana tamin'ny Hebreo, Latina, ary Grika.21Avy eo hoy areo lohan'ny mpisorogn'ny Jiosy tamin'i Pilato hoe:" Aja soratana hoe:" Ilay Mpanjakan'ny Jiosy, ' fa aleo hoe: 'Itoy raike itoy die nijaka hoe: "Iaho no mpanjakan'ny Jiosy." 22Ary namaly Pilato hoe:" Ijay vôsoratro die vôsoratro."23Laha nohomboin'ireo miaramila Jérôme, die nalain-dreo ny lambane, ka nojarain-dreo efatre, die samby managna raike aby areo; ary ny akanjo mandy koa. Ary Tsy misy vitragna ilay akanjo, fa tegnona raike mandy. 24Avy eo nifampiresaka areo hoe:" aleo tsy rovitintsena itoy, fa koja andao hilokana ahitana ijay mahajo an'aje.'' Nibôke ijany mba hahatanteraka ny Soratra Masina ijay milaja hoe:" Nifampijaran-dreo ny lambako ary nilokany ny fitafiako." Ijany no nataon-dreo miaramila.25Ary nitsangana teo akekin'ilay hajofijalian'i Jesôsy ny endriny, ny rahavavin-drenine, Maria vadin'i Klopa, ary Maria Magdalena. 26Laha nahita an' i endrine sy ireo mpianatre ijay tiany nitsangana narivo teo Jesôsy, die nijaka tamin'ny endrine Ijy hoe:" Raviavy, indro, ny janakao lahy! 27Avy eo hoy Ijy tamin'ny mpianatre hoe:" Indro ny endrinareo!" Ary tamin'ijany lera ijany die nalain'ny mpianatre ho agny amin-dreo ijy.28Tafaran'ijany, laha nahafantatre fa efa ny raha abiaby ka mba ho tanteraka ny Soratra Masina, die hoy Jesôsy hoe:" Te hisotro rano aho. '' 29Die nisy tavoangy feno divay marikivy nipetrake teo amin'io toeran'io ka nasian-dreo divay marikivy ny epônjy ka notohijany tamin'ny hysôpa ary napetapetany tamin'ny vavany. 30Laha ninogna ny vinaigitra Jesôsy, die hoy Ijy hoe:" Efa vita." Naondriny ny lohany ary niala ny fagnahiny.31Satria andron'ny fiomanana tamin'ijany, ka mba tsy hijanogna eo amin'ny hajofijaliana mandritry ny Sabata(satria ny Sabata die andro manan-danja manokagna) ireo vata-mangatsiake, die nangatake tamin'i Pilato ireo Jiosy avy eo, ny mba hanapahana ny tongo-dreo ary hangalana an-dreo.32 Avy eo nagnatona ireo miaramila ka nanapaka ny tongotr'ilay lelahy vôlohane sy ilay lelahy faharoa ijay vôhombo niaraka tamin'i Jesôsy.33 Laha nagnatogna an'i Jesôsy areo, die nahita fa efa maty Ijy, ka tsy notapahin-dreo ny tongony.34kanefa, nisy miaramila raike nanindrogna ny lanivoany tamin'ny lefogna, ary avy hatrany die nisy ra sy rano nirarake.35 Ilay raike ijay nahita an' ijany die nitsangana vavolombelogna, ary marina ny fagnambarany. Fantane fa marina ijay nijakaine mba hinoanareo mandy koa36Fa ireo raha ireo no nitranga mba hahatanteraka ny Soratra Masina hoe:" Tsy hisy ho tapake na die raike amin'ny taolagne aja." 37Ary mbola, misy Soratra Masina hafa milaja hoe:" Ijy ireo die hijery an'Aje ijay nolefognin-dreo.38Tafaran'ireo raha ireo, Josefa avy ao Arimatia, hatramin'ny naha-mpianatr'i Jesôsy an'aje(fa tao amin'ny mangingigna nohon'ny fahatahorana ireo Jiosy), nagnotane an'i Pilato laha afake mangala ny vatagn'i Jesôsy ijy. Nomen'i Pilato alalagna ijy. Ka avy Josefa nangala ny vatagne. 39Avy tagny mandy koa Nikodemosy, ijy ijay avy vôlohane hijaha an'i Jesôsy ny align'iny. Ary nitondra menake magnitre sy vahona Ijy, teo amin'ny Jato litatra teo ny fatrane.40Ka nalain-dreo ny vatagn'i Jesôsy ary nofognosine tamin'ny lambam-pate sy raha magnitre, araka ny fomba fandivegnana Jiosy.41 Ary teo amin'ny toerana nanomboana an'Aje die nisy saha; ary teo amin'ilay saha nisy fasagna vaovao ijay mbola tsy nandivegnan'olo. 42Satria andron'ny fiomagn'ireo Jiosy tamin'ijany ary satria akeky ny fasagna, dia nalevin-dreo tao Jesôsy
Chapter 20

1Die vô maraignan'ny andro vôlohan'ny heringnandro, raha mbola mejigna igny, die nandeha amin'ny kibory Maria Magdalenina die nahita ny vato efa nikasake lavitre ny kibory ijy.2 Noho ijany die nihajakajake ijy die nagnatogna an'i Simona Petera sy ny mpianatre hafa ijay tian'i Jesôsy die hoy ijy tamindreo hoe: ''Nalain-dreo tao amin'ny kibory ny Tompo, die tsy fantanay je natsendreo Anaje.''3Avy eo nenga nivôke Petera sy ny mpianatre hafa, die nandehagny amin'ny kibory andreo. 4Samy nihajakajake andreo, ary nosongonan'ny mpianatre hafa malaky Petera ary die ijy no avy vôlohany tegne amin'ny kibory.5 Avy eo niondrika ijy, die nahatsinjo ny lambam-paty nibongaigna teo, fa tsy mnola niditre tao agnatine ijy.6Tonga tafarany avy eo Simona Petera die niditre tao an-kibory. Tsinjone nibongaigna teo ny lambam-pate7 sy ny lamba natao tegny amin'ny lohane. Tsy niara-nipetrake tamin'ny anefa le ijy fa nivalogna ho ajy teo amin'ny pilasine.8Avy eo ny mpianatre raike hafa ny tonga vôlohane teo amin'ny kibory, niditre tao agnatine koa, die nahita sy nino ijy. 9Fa hatramin'io fotôgna io andreo die tsy mbola nahalala ny Soratra Masina mandy fa Ijy die tsy mentsy hitsangana amin'ny mate. 10Ka die niverigna tagny an-dragno ndraike areo mpianatre.11Fa Maria die nijoro nitagny teo ivelagn'ny kibory. Laha ijy nitagny igny, die niondrike tao amin'ny kibory.12 Nahita anjely roe mitafy lamba fotsy nidoboke ijy, ny raike teo an-doha, die ny raike teo an-kongotre teo amin'ny pilasy nagnabelana ny vatagn'i Jesôsy. 13Hoy andreo taminajy hoe: ''Ravieve, nagnino anao no mitagny?'' Hoy ijy tamin-dreo hoe: ''Satria nindôsin-dreo ny Tompoko, die tsy fantako jay nagnasen-dreo Anajy.''14Laha avy nijaka ijany ijy, die niherike die nahita an'i Jesôsy nijoro teo, fa tsy fantane anefa ho Jesôsy io.15 Hoy Jesôsy taminajy hoe: "Raviave, Nagnino anao no mitagny? Fa ija no jahanao?'' Noheverine fa ny mpiambigna anefa Ijy, ka hoy ijy taminajy hoe: ''Tompoko, raha Anao no nangala Anajy, die jakao aminahy ny nagnasenareo Anajy, fa halaiko agny Ijy.''16Hoy Jesôsy taminajy hoe: ''Maria.'' Niherika ijy, die nijaka taminajy tamin'ny jaka Hebreo hoe: ''Rabôny'' (ijay midika hoe: ''Mpampianatra.'')17 Hoy Jesôsy taminajy hoe: ''Aza mikasike Anahe, fa tsy mbola niakatre agny amin'ny Baba Iaho, fa mandihana agny amin-dreo ralahiko die jakao andreo fa hiakatre agny amin'ny Iabako sy Iabanareo Iaho, die ny Andriamanitro sy Andriamanitrareo.'' 18Nenga Marie Magdalenina die nijaka ireo mpianatra hoe: ''Nahita ny Tompo iaho,'' die ireo n raha ireo no nijakaine taminajy.19Ary hariva tamin'ijay, tamin'io andro io, andro vôlohan'ny herignandro, die ireo varangaragna ijay nisy andreo mpianatre, die nipegna nohon'ny fangoaigna ireo Jiosy, nagnatogna Jesôsy die nijoro teo ampovôn-dreo ka nijaka andreo hoe: ''Fiadanagna ho anareo.'' 20Laha avy nijaka ijany ijy, die nabôkane andreo ny tanagne sy ny tehejane. Faly areo mpianatre raha nahita ny Tompo.21Avy eo Jesosy nijaka andreo hoe: ''Fiadanagna ho anareo. Hôtra ny nagnirahan'ny Baba Anahy, no hagnirahako anareo koa.'' 22Laha avy nijaka ijany Jesôsy, die nitsoke ny fofon'aignane tamin-dreo die nijaka andreo hoe: ''Reso ny Fagnahy Masina. 23Na kelok'ija na helok'ija avelanareo, die ho vôvela ijy reo; ary na an'ija na an'ija tsy avelanareo, die tsy vôvela ijy reo.''24Tomasy, raike tamin-dreo roa ambin'ny folo, nangihina hoe Dydimo, die tsy niarake tamin-dreo rehefa tonga Jesôsy. 25Ireo mpianatra hafa avy eo nijaka taminajy hoe: ''Hitanay ny Tompo.'' Hoy ijy tamin-dreo hoe: ''Laha tsy hitako egny amin'ny tagnane ny trobakan'ireo fantsike, die mametrake ny ratsantagnako ao agnatin'ny trobakan'ireo fantsika iaho, die mametrake ny tagnako eo amin'ny tehejane, die tsy mino iaho.''26Valo andro tatoy afara die tao ndraike areo mpianagne, die niarake tamin-dreo Tomasy. Nagnatogna Jesôsy raha nipegna ny varangaragna , die nijoro niarake teo amin-dreo, die nijaka hoe: "Fiadanagna ho anareo."27 Avy eo nijaka an'i Tomasy ijy hoe: "Magnatogna ety miaraka amin'ny tanagnao die apetaho eto amin'ny tehejako ijany. Aja kely finôna, fa minoa.''28Tomasy namaly die nijaka Anajy hoe: "Tompoko sy Andriamanitro." 29Hoy Jesôsy taminajy hoe: "Satria nahita Anahy anao, die nino. Sambatre areo jay tsy nahita, nefa mino."30Ankehitriny Jesôsy die nagnano famantarana maro sakarajane teo anatrehan-dreo mpianagne, famantarana jay tsy vôsoratre tao agnatin'ity boky toy, 31fa ireo vôsoaratra mba hafahanareo mino fa Jesôsy no Kristy, Ny Janak'Andriamanitra, die laha mino Anajy anareo, die hahajo ny fiaignana amin'ny agnarane.
Chapter 21

1Tafaran'io raha io Jesôsy die niseho tamin'ny mpianatra koa teo amin'ny ranomasin'i Tiberiasy. Hôtran'ijao ny fomba nisehône:2 Simona Petera die miarake tamin'i Tomasy ijay angihina hoe Didimo, Natanaela avy agny Kana agny Galilia, ny janak'i Zebedio, ary mpianatr'i Jesôsy roa hafa. 3Hoy Simona Petera tami'dreo hoe:" Handeha hagnarato iaho." Die hoy areo taminajy hoe:" Ahay, koa, handeha hiaraka aminao. "Ka nenga areo die niditre tao an-tsambokely raika, fa tsy mahajo n'ino n'ino areo nandritra ny aligna manontolo.4Ary laha efa magnarakoandro sahady die nijoro teo an-dranomasina jesôsy, fa tsy fantatrin'ny mpianatra hoe Jesôsy io.5 Ka hoy Jesôsy tamin'dreo hoe: "Ry Tovolahy, tsy manan-ko-hanina ve anareo?" Namaly Anajy areo hoe: " Eka". 6Hoy Ijy tamindreo hoe:" Atsipio eo amin'ny sisiny ankavanan'ny sambokele ny haratonareo, die hahajo anareo. "Ka die natsipin'dreo ny haraton'dreo ary tsy nahavita nampiakatra ijany tao nohon'ny hamaron'ny trondro.7Avy teo hoy ny mpianatre ijay tien'ny Jesôsy tamin'ny Petera hoe: "Ny Tompo io." regnin'i Simona Petera fa ny Tompo io, die nampiditre ny ambon'akanjony ijy (satria tsy nekanjo ijy), ka nitsôtike tao agnaty ranomasina. 8Ny mpianatra hafa niditra ao an-tsambokele (satria areo tsy lavitra ny tanety, teo amin'ny rônjato hakiho teo), die nisintogna ny harato feno hajandrano.9 Laha tafakatre an-tanety areo, die nahita afon'arigna tegny ary hajandrano tambonine, miaraka amin'ny mofo.10Hoy Jesôsy tamin'dreo hoe: "Mitondra hajandrano maromaro amin'io vô ajonareo io."11 Die niakatra Simona Petera ka nisintogna am-bohitre ny harato, ijay feno hajandrano angeja; 153. Tena marobe, kanefa tsy rota ny harato.12Hoy Jesôsy tamin'dreo hoe: "Avia hihinagna maraigna. " Tsy nisy tamin'ny mpianatra nahasahy nagnotany Anajy hoe: "Ija moa anao?" fantan'dreo fa ny Tompo io.13 Nagnatogna Jesôsy, nangala ny mofo, nagnome an'ijany an'dreo, hôtran'ijay koa ny hajandrano. 14Fagnitelone amin'io no nisehôn'i Jesôsy tamin'ny mpanatra tafaran'ny nitsanganany tamin'ny mate.15Laha avy nihinagna ny hanina maraigna areo, Die hoy Jesôsy tamin'ny Simona Petera hoe: Simona janak'i Jaona, tia anahe mihôtre noho areo ve anao? " Hoy Petera taminajy hoe: " Eka ry Tompo, fantatrao fa tia Anao iaho. " Hoy Jesôsy taminajy hoe: " Fahano ny ondriko."16 Nijaka taminajy fagnindroany koa ijy hoe:"Simona janak'i Jaona, tia Anahy ve anao?" Hoy Petera taminajy hoe: " Eka ry Tompo, fantatro fa tia Anao iaho. "hoy Jesôsy hoe: " karakarao ny ondriko.17Nijaka taminajy fagnitelone ijy hoe: "Simona, janak'i Jaona, Tia Anahe ve anao?" Die nalahelo Petera satria Jesôsy nagnano intelo taminajy hoe:" Tia anahy ve anao?" Ka hoy ijy taminajy hoe: " Fahano ny ondriko.18 Jakaiko aminao, marina, die marina tikôtre, taminao bola tanora, die jatre nampiditre raike ny ankanjonao ary nandeha tamin'ijay tienao, fa laha niha-antitra anao, die hagnijitre ny tegnanao, ary olon-kafa no hampekanjo anao sy hitondra anao amin'ijay tsy tienao handihanana.19Ary Jesôsy nijaka ijany mba hahafantarana hoe amin'ny karajagna fahafatesana hôtranino no hagnomejan'i Petera voninahitra an'Andriamanitra. Laha avy nijaka ijany ijy, die hoy tamin'i Petera hoe: "Magnaraha Anahe."20Niherike Petera ka nahita ny mpianatra ijay tian'i Jesôsy nagnaraka Anaje io, ny raike ijay miankigna ampitain'i Jesôsy mandy koa tao amin'ny fihinanana die nagnano hoe:" Tompo, ija ny raike hamadike Anao? "21 Nahita Anajy Petera die hoy ijy avy teo tamin'i Jesôsy hoe: "Tompo ino no ataon'io lelahy io?"22Hoy Jesôsy taminajy hoe: "Laha tieko hitoboke ijy mandra-peveko, die midika ino ijany aminao? Magnaraha Anahe." 23ka niboele teo amin'ny mpirahalahy ijany jaka ijany, fa tsy ho mate io mpianatra io. Nefa Jesôsy tsy nijaka tamin'i Petera fa tsy ho fate ny mpianatra hafa, fa hoe: "Laha tieko hipetraka ijy mandra-peveko, die midika ino ijane aminao?"24Ijy ny mpianatra ijay nijoro vavolombelogna momba ny raha io, sy ny manoratre io raha io, ary fantatsena fa marina ny fagnambarane. 25Nisy raha be hafa koa ijay namboarin'i Jesôsy. Laha vôsoratra kiraidraike avy ijany, die dinihiko fa na die ijao tontolo ijao aja tsy hombe ny boky ho soratana.

Acts

Chapter 1

1Ny boky nosoratako teo aloha, ry Teofilo, die nagnambara ny abiaby ijay natombok'i Jesôsy sy ny nampianarine, 2hatramin'ny andro nampekarana anaje, avy eo die nandidy ireo Apostoly ijay nofidiny tamin'ny alalan'ny Fanahy Masina. 3Tafaran'ny nijaliane, die nampiseho ny tegnane velogna tamin-dreo Ijy niarake tamin'ny porofo mandresy lahatre rahabe. Nibôke tamin-dreo Ijy nandritre ny andra efapolo die nivoria momba ny fanjakan'Andriamanitre.4Raha nihaogna niarake taman-dre Ijy, die nandidy an-dreo tsy henga ao Jerosalema, fa handigny ny fampagnatenana Iaba momba, nilôjane hoe: ''Naharegny taminahy anareo 5fa nagnano batisa tamin'ny rano tokôtre i Jaona, fa anareo die tokone hatao batisa amin'ny Fanahy Masina ao agnatin'ny andro vitsy.''6Laha tafavory niarake andreo die nagnadigna Anajy an-dreo hoe: ''Tompo, Ijao ve ny fotôgna hameregnanao ny fanjakana ho an'Israely?7 Hoy Ijy tamin-dreo hoe: ''Tsy anareo no hahafantatre ny fotôgna na ireo datin'andro ijay notendren'ny Baba tamin'ny fahefane manokana.8 Fa laha tonga koja ny Fanahy Masina die hahajo hery anareo, ka ho lasa vavolombeloko erakan'ny Jerosalema sy Jodia iray manontolo ary Samaria, sy hatragny am-paran-tany.''9Laha nijaka ijany raha ijany i Jesôsy Tompo, die nendrandra an-dreo, nakarina Ijy, die ny rahogna nanakona Anajy teo amason-dreo.10 Raha mbola nijaha ny lagnotre igny an-dreo tamin'ny nandehanany, tampoke teo nisy rôlahy nenkanjo fotsy nitsangana teo agnilan-dreo.11 Nijaka an-dreo hoe: ''Ry lelahy laha tagny Galilia, magnino anareo no mitsangana eto mijaha ny lagnitre? Igny Jesôsy nalaina taminareo ijay nampekarina agny an-dagnitre, igny die hivergna hôtran'ny nahitanareo anajy niakatre agny an-dagnitre teo igny.12Avy eo an-dreo die nipody tagny Jerosalema avy tao amin'ny tendrombohitr'Oliva, ijay eo mariny an'ny Jerosalema, mitovy amin'ny dian'ny andro Sabata raike. 13Raha tonga an-dreo, die niaketre tao amin'ny efitre ambony rihagna, ijay nipetrahan-dreo. Andreo die i Petera, Jaona, Jakoba, Andrea, Filipo, Tomasy, Bartolomeo, Matio, Jakoba zanak'i Alifeo, Simona Zelota, ary Jodasy zanak'i Jakoba. 14Niompagna ho raike areo abiaby, die najoto nivavake. Anisan'ijay reo vehivavy, Maria endrin'i Jesôsy, sy ireo rahalahine.15Tamin'ny ijay andro ijay i Petera die nitsangana tao ampovôn'ireo rahalahine, eo amin'ny olo 120 eo, die nijaka hoe:16 ''Ry rahalahy, tena nilaina ny fahantaterahan'ny Soratra Masina, ijay nambaran'ny Fanahy Masina meloha tamin'ny vavan'i Davida momba an'i Jodasy, ijay nitondra ireo olo nanambotre an'i Jesôsy.''17Fa anisan'ny raike amintsena ijy die nahajo ny anjarane tamin'ijao fanompoana ijao.''18 (Ankehitriny io lelahy io die nivanga saha tamin'ny vola ajone tamin'ny faharatsiana ijy, die lavo nenkohoke teo ijy, ka nisokatre sy nipôke ny vatagne, die niborake aby ny tsinaine. 19Ireo olo abiaby Jerosalema die naharegny momba ijany, die nagnatso io saha io tamin'ny fijakan-dreo hoe: ''Akeldama,'' ijany hoe: ''Sahan-dRà.'')20Fa efa vôsoratre ao amin'ny Bokin'ny Salamo hoe: ''Apetrahy ho sosotre ny sahane, die aja akena ndre die olo raike aja hipetrake ao'; 'Apitrahy ho resin'ny olo-hafa ny andraikitrane.''21Noho ijany, die ilaina, ny raike amin'ireo lelahy niarake tamintsena nandritran'ny fotôgna abiaby nidiran'i Jesôsy Tompo sy ny nivoahane teto amintsena, 22hatramin'ny batisan'i Jaona ka hatramin'ny andro nekarane teo amintsena, die tsy mentsy vavolombelogna miarake amintsena amin'ny fitsanganany.'' 23Die nametrake rôlahy an-dreo, die i Josefa nangihina hoe Barsabasy na koa atao hoe Josto, ary Matia.24Nivavake an-dreo die nijaka hoe: ''Anao, ry Tompo, no mahafantatre ny fon'olo abiaby, ka jakao ijay hofidinao amin'ajy rôlahy 25mba hangala ny pilasy ato amin'ijao fanompoana ijao sy ny maha Apostoly nohon'ny fandikan-dalàna ijay namboarin'i Jodasy handeha ho agny amin'ny pilasy manokana. 26Ijy ireo die niloka ho anajy ireo, die nilatsake tamin'i Matia ny filokana, die vôisa ho Apostoly raike ambin'ny folo ijy.

Chapter 2

1Laha avy ny andron'ny Pantekônty, nivory tamin'ny toerana raike ijy abiaby. 2Vetivety teo avy agny an-dagnitre nisy feo hôtran' ny rivotre nitsoka nahare, ary nahenike ny tragno manotolo ijay nisy an-dreo ijane. 3Nisy afo hôtran'ny lela rahabe ijay nijarajara, ary nitoboke tambonin-dreo kiraidraike aby. 4Izy abiaby die henike ny Fanahy Masina ary nanomboka nijaka tamin'ny fijakana samby hafa, araky ny nomen'ny Fanahy Masina hijakàn-dreo .5Ary nisy Jiosy izay nonigna tao Jerosalema, olon' Andriamanitra, avy amin'ny firenena abiaby ambanin' ny lagnitre. 6Laha naharegny ijany feo ijane, die avy niaraka ireo fokon'olo sady sahiran-tsaigna satria ny kiraidraike die samby naharegny an-dreo nijaka tamin'ny fijakàny aby. 7Areo die varegna sady jendagna; nijaka hoe: "Marina, fa tsy ireo abiaby nijaka ireo ve no Galileanina?8Nagnino no maharegny an-dreo antsena, amin'ny fijakantsena kiraidraike aby ijay naha lehibe antsena? 9Partianina sy Medianina ary Elemita, ary ireo ijay monigna agny Jodia sy Kapadokia, any Ponto sy Asia, 10Frygia sy Pamfylia, any Egypta ary Libya hatragne amin'ny Kyrena, ary ireo mpamangy avy agny Roma, 11Jiosy sy Priselyta, Kreatana sy Arabo, die rengnitsena mivoria amin'ny fijakàntsena mahakasika ny asa makadiry amboarin' Andriamanitra."12Areo die jendagna ary sahiran-tsaigna; ary nifampivoria areo hoe: "Ino no dikan'ijane?"13 Fa ireo saragne nagneso sady nijaka hoe: "Areo die mamon'ny dovay vaovao."14Fa i Petera nitsangagna tamin'ijy raik'ambifolo, nampikatra ny feone, ary nivoria tamin-dreo hoe: "Ry lelahin'i Jodea sy anareo abiaby monigna eto Jerosalema, ôka ho fantatrareo ijao, tandremo ireo jakako. 15Hôn'ireo olo tsy mamo araka ijay eritreretinareo, fa vô amin'ny telo ora ijao.16Fa ijao no nijakaina tamin'i Joela mpaminany:17 'Amin'ny andro farane,' Andriamanitra mijaka hoe: "Hatrotrako amin'olo abiaby ny Fagnahiko. Ireo janakareo lelahy sy janakareo viavy die haminany, ny tovolahinareo die hahita fahitana, ary ny rangahinareo hagnonofy nofy.18Hôtran'ijany koa ny amin'ireo mpanompoko lelahy sy ny mpanompoko viave amin'ireo andro ireo. Hatrotrako ny Fagnahiko, ary areo die haminany. 19Ijao die hagnatoro raha-mahajendagna egne amin'ny lagnitra ambone sy famantarana egne amin'ny tany ambane, rà, afo, ary ento-setroke.20Ny masoandro die hanjary hejigna ary ny volgna hanjary rà, melohan'ny andro makadiry sy miavake hevian'ny Tompo.21 Ary ny olo abiaby ijay mangaike ny agnaran'Andriamanitra die ho vôvonjy.22Ry olon'Israely, tenoy ijao jaka ijao: Jesôsy avy agny Najareta, ilay olo nagnatorôna anareo tamin'ny alalan'Andriamanitra mba ho marina amin'ireo asa makadiry, ireo fahajendagnana, ary ireo famantarana ijay namboarin'Andriamanitra tamin'ajy teo agnivonareo, araka ny fantatrin'ny tegnanareo.23 Io lelahy io die natolotry ny drafitr'Andriamanitra ijay efa nivognonina meloha sy ny fahalalane, ary ny tagnan'ny mpandika lalàna sy anareo, namono an'ajy tamin'ny famantsihana an'aje teo amin'ny hajo fijalena.24 Fa Andriamanitra nanangagna an'Aje, nagnafaka an'Aje tamin'ireo fanaintaignan'ny fahafatesana, satria sarotra hôn'Aje ny nienga tamin'ijane.25Fa i Davida mivoria mahakasika an'ajy hoe, ''Nahita ny Tompo talohako teo fehijay iaho, fa eto an-tagna-kavanako Ijy ka tsy tokone hangojohojo iaho. 26Die tena fale ny foko ary niravoravo ny lelako. Ary mandy koa, ny nofoko hivelogna amin'ny fakatokisana.27Fa tsy nilôjanao ho agny amin'ny Fiaignan-tsy hita ny fagnahiko ary tsy hagnavela ny Iraike Masinao ho lo anao. 28Nampahafantatra an'ahe ireo lalagnan'ny fiegnana Anao; Anao die hagnenike fifalena an'ahe amin'ny endrikao.'29Ry rahalahy, afaka mivoria aminareo am-pitokisana mahakasika an'i Davida Patriarika iaho: efa maty ijy no nalevigna, ary ny koborine die eto amintsena mandrak'androany.30 Noho ijane, mpaminay ijy ary fantane fa efa nifanta tamin'ajy Andriamanitra, fa ny taranakane no ho eo amin'ny seja fendrianane.31 Efa hitane ijane die nivoria mahakasika ny fitsanganan'i Kristy tamin'ny fahafatesana sady ijy tsy navela tao amin'ny fiaignan-tsy hita, no tsy nambôtra ny nfone ho tratran'ny fahalovana.32Io Jesôsy io-Andriamanitra no nanangagna an'Aje, ka vavolombelogn'ijane ahay abiaby. 33Noho ijane laha nampekarin'ny tagnan'ankavanan'Andriamanitra Ijy die nandray ny Fanahy Masina nampagnantenaina avy tamin'Iaba, efa natrotrakane ijane, ijay hitanareo sy regninareo.34Fa i Davida die tsy niakatre tagny an-dagnitre, fa ijy nijaka hoe: 'Ny Tompo nivoria tamin'ny Tompoko, "mitoboha eto an-tagnako ankavanako,35 mandra-panôvako ny fahavalonao ho fitobohan-tongotrao."36 Noho ijane, ôka ho fantatry ny abiaby indrindra ny tragnon'Israely fa Andriamanitra no nambôtra an'Ajy ho Tompo sy Kristy, ilay Jesôsy ijay nifantsihanareo."37Ary laha naharegny ijany areo, vôtsindrogna ny fon-dreo, ary nijaka tamin'i Petera sy ireo apôstôly sisa hoe: "Rahalahy, ino no tokone hamboarinay? 38Avy teo Petera nijaka tamin-dreo hoe: ''Mibebaha manôva batisa, anareo kiraidraika aby, amin'ny agnaran'i Jesôsy Kristy ho famelana ny fahotanareo, sy handresanareo ny fagnomejan'ny Fanahy Masina. 39Fa ny fampagnantenana die hônareo sy ny janakareo ary ireo abiaby ijay lavitre, ka ho rahabe ireo olo ijay hangehin'ny Tompo Andriamanintsena."40Niaraka tamin'ny jaka rahabe hafa no nijorône ho vavolomelogna sy nandrisihane an-dreo; nijaka ijy hoe, ''vonjeo ny tegnanareo amin'itoy taranaka ratsy fagnahy itoy." 41Ary areo die nandray ny jakane ka natao batisa, ary tokone fagnahin'olo teo amin'ny telo arivo teo ho eo no nampena tamin'io andro io. 42Nanohy sy naharitre ny asa fitorena sy ny fampenaran'ny apôstôly areo, teo amin'ny fanapahana ny mofo sy ny fivavahana.43Avy tao amin'ny fagnahin'ny kiraidraike tahotre, ary fahajendagnana sy famantarana rahabe no vita tamin'ny alalan'ny apôstôly. 44Ireo abiaby nino die niangogna ary nanagna raha nifanahake,45 ary areo die nivarotra ny tanine sy ny fanagnane ka nijara ijane tamin'ijy abiaby, arak'ijay niromejiny aby.46Ary isan'andro isan'andro die nitohy nanompo tamin'ny fomba fijery mifanahake tao am-pengonana areo, sy nanapaka ny mofo tao an-dragno, ary nijara hanina tampifalena sy fo henike fagnetrehan-tegna; 47Nidera an'Andriamanitra ary nahajo fankasitrahana tamin'olo abiaby, Isan'andro ny Tompo die nagnampy ny isan'ireo ijay vôvonjy.

Chapter 3

1Ary Petera sy Jaona niakatra tegny amin'ny fengonana tamin'ny leran'ny fivavahana, ny lera fahasivy.2 Die nisy lelahy raike naleme efa hatagny ampiterahana nindôsina isanandro tegny amin'ny vavahady tsara endrike ny fengonana, mba hangataka fagnomejana ara-bola agny amin'ny olo ijay mandeha agny amin'ny fengonana.3 Laha nahita an'i Petera sy i Jaona ijay handeha hiditre ny fengonana, die nangataka fagnomejana ara-bola tamin'dreo ijy.4Nimbanjigna ny masony niarake tamin'i Jaona sy Petera die nijaka hoe: "Jahao ahay". 5Ny lelahy maleme nijaha an'dreo, nagnategna ny handray raha avy agny aminaje areo. 6Nefa Petera nijaka hoe: "Volafotsy sy volamena no tsy anagnako, nefa ijay anagnako die hameko anao. Amin'ny agnaran'ny Jesôsy Kristy avy agny Nazareta, mandihana,"7Nandray anaje tamin'ny tagnany havanana, i petera nanangagna anaje, tonga die natanjake, tongotr'i lelahy sy ny kitrokeline. 8Nitsôtike, ny lelahy malemy die nitsangagna ka nanomboka nandeha; ary niaraka niditra tamin'i Petera sy i Jaona tao am-pengonana ijy, nandeha, nitsôtike, ary nidera an'Andriamanitra.9Ny olo manontolo die nahita anajy nandeha sy nidera an'Andriamanitra. 10Tsikari-dreo fa ijy ny lelahy nangataka fagnampena ara-bola tamin'ny olo teo amin'ny vavahady tsaran'ny fengonana; die jendagna sy talanjogna areo nohon'ny raha nitranga taminaje.11Ary noho ijy mitagna an'ny Petera sy Jaona, ny olo manontolo die nirontogna nandeha amin'dreo tegne amin'ny felofana ijay nangihina hoe felofan'ny Solomona ny olo manontolo, die tena talanjogna. 12Laha nahita ijany Petera die namaly ny olo hoe: "Anareo ry vahôkan'Israely, nagnino no talanjogna ianareo? nagnino ny masonareo no mandinika anay, hôtran'ny hoe herinay na fahamasinanay manokagna no nampandeha anajy?13Ny Andriamanitry Abrahama, sy an'Isaka, ary an'i Jakoba, ny Andriamanitrin'ny raintsena, nagnome voninahitra Jesosy mpanompone. Ijy ny natolotrareo sy nandananareo teo alohan'i Pilato, tamin'ijy nanapa-kevitra ny handefa anaje. 14Nandananareo ny raike ijay Masina sy Marina, die naleonareo nangataka ny mpanompo olo mba ho alefa hônareo.15Nivinanareo ny mpanorigna ny fiaignana, ijay natsangan'Andriamanitra tamin'ny maty, die vavolombelogn'ijany ahay. 16Ankehitriny, nohon'ny finôna amin'ny agnarany ny lelahy ijay hitanareo sy fantatrareo. Igny agnarana igny mandy no nahantonga anajy hahere. Ny finôna avy amin'i Jesôsy no nagnome ijao fahafahana feno ijao hôn'aje eto agnatrehanareo manontolo.17Ankehitriny, ry rahalahy, fantatro fa nagnano ijany anareo nohon'ny tsy fahalalanareo, hôtran'ny nataon'ny mpitondra anareo mandy koa.18 Fa io raha ijay vôlajan'Andriamanitra meloha tamin'ny vavan'ny mpaminagny manontolo, hoe tokony hijaly ny kristine, fa efa tanteragne ankehitriny.19Mibebaha, noho ijany, die miveregna, mba ho vôvono ny fahotanareo, mba hoavy ny fotôgna mahavelombelogna eo anatrehan'ny Tompo; 20ary mba handefa an'i Kristy ijay vôtondro hônao, die i Jesôsy,21Ijy ny tsy mentsy ho raisin'ny Lanitra ambaram-peven'ny lera fameregnana amin'ny laoniny ny raha aby daholo, momba an'ijay nojahan'Andriamanitra taloha tamin'ny vavan'ny mpaminany masina.22 Nijaka tokôtre i Mosesy hoe: 'Ny Tompo Andriamanitra die hanangagna mpaminagny hôtranahe avy amin'ny rahalahinareo. Anareo hiteno ny raha aby daholo ijay hijaka aminareo.23 Hitranga ny hoe ny olo aby daholo ijay tsy miteno ijany mpaminagny ijany die ho ringagnina tanterake tsy ho ao amin'olo.'24Eka, die ny mpaminagny manontolo nanomboka teo amin'ny Samoela sy ijay avy tafarane, die nijaka mahare sy nagnambara ny andro io. 25Anareo no jakain'ny mpaminagny sy ny fanekena ijay nataon'Andriamanitra tamin'ny rajambe, araka ny nojakaine tamin'i Abrahama hoe: Ao amin'ny taranakao die ho tahina ny fianakaviana manontolo eran-tany.' 26Tafaran'ny nanangan'Andriamanitra ny mpanompone, die nandefa anaje hônareo aloha ijy, mba hitahy anareo amin'ny felanareo amin'ny faharatsena."
Chapter 4

1Laha niresaka tamin'ireo vahôka i Petera sy Jaona, die avy ireo lehiben'ny mpisorogna sy ny lehiben'ny mpiambignan'ny tempoly ary ireo Sadoseo. 2Vignitra be ijy ireo nohon'i Petera sy Jaona nampianatra ny vahôka sy nitory ny fitsanganana amin'ny maty tamin'ny alalan'i Jesosy. 3Nisamborina ijy ireo ary nalefa tagny amponja mandrampevien'ny marina, satria efa aligna ny andro tamin'ijany. 4K'anefa die rahabe tamin'ireo vahôka ijay naharegny ny hafatra no nino; ary ny isan'ireo lelahy je nino die dimy arivo teo ho eo.5Ny ampitsonigne die niangogna tao Jerosalema ny mpanapak'ijy ireo, jok'olo sy ireo mpanoratra lalàna. 6Teo i Anasy mpisorogna-be, Kaiafa, Jaona, sy Aleksandro sy je rehetra havan'ireo mpisorombe. 7Fa laha naroso teo agnivo i Petera sy Jaona, die nagnotany anajy ireo hoe: ''Amin'ny hery ino, na amin'ny agnarana ino, no agnanôvanareo anijany?''8Aviteo Petera, feno ny Fagnahy Masigna, die nijaka anajy ireo hoe: ''Anao ry mpanapakan'ny vahôke, sy ny loholona, 9laha nagnotanena momban'ny asa tsara namboarinay tamin'io lelahy narary io ahay tamin'io andro io, tamin'ny fomba ahôna no nahasitragna an'io lelahy io?10 Die ôka ho fantatrareo manontolo sy ny vahôkan'Israely manontolo, fa tamin'ny agnaran'i Jesôsy Kristy avy lahatagny Nazareta, ijay nohombohanareo, le natsangagn'Andriamanitra tamin'ny maty, tamin'ny alalany no ijorôn'itoy lelahy toy salama eto amasonareo.''11Jesôsy Kristy die vato jay nataonareo mpagnorigna tragno tsinotsinona k'anefa efa natao ho lohan'ny vato fehijoro. 12Ary tsy misy famonjena avy lahatamin'ny hafa, fa tsy misy agnarana hafa ambanin'ny lagnitra namen'ny olo ijay tsy mentsy hahavonjy antsena.13Ary laha efa nahita ny fahasahen'i Petera sy Jaona ijy ireo, ary nahatsapa fa olo-tsotre, olo tsy nandia fenarana, die gaga ijy ireo, nahafantatra fa niaraka tamin'i Jesôsy i Petera sy Jaona. 14Satria ijy ireo nahita le lelahy ijay nitsara niaraka tamin'ijy ireo, ka tsy nahita hijakaina hanoherana anijany ijy ireo.15Fa raha efa avy nandidy ireo apostoly handao ny fivoren'ny filan-hevitra ijy reo, die nifampiresaka ijy ireo. 16Hoy areo hoe: ''Ino ny tokony hatao amin'ireto lelahy ireto? Nohon'ny fahajindagnana vita tamin'ny alalan'ijy ireo die fantatr'olo manontolo mipetraka eto Jerosalema, ary tsy ajontsena lavina. 17Fa ba tsy hiparitahan'ijany amin'ny vahôka koja, die andao antsena ba nampitandrigna anajy ireo ba tsy hijakandreo anijany agnarana ijany koa. 18Nangihany hiditra i Petera sy Jaona ary nijakaindreo tsy hijaka sy tsy hampianatra amin'ny agnaran'i Jesôsy koa.19K'anafa namaly anajy ireo koja i Petera sy Jaona ka nijaka hoe: ''Laha marina eo amason'Andriamanitra anareo sy magneke mihôtra Anajy anareo, die anareo no mitsara.20 Tsy afaka ny hibela tsy hijaka ny mahakasika ireo raha hitanay sy regninay ahay.''21Tafaran'ny fampitandremana an'i Petera sy Jaona, die nabelany nandeha ijy ireo. Fa tsy nahita tomba hagnasajena anajy ireo areo, satria nankalaja an'Andriamanitra ireo vahôke nohon'ny raha vitane. 22Le lelahy jay niaigna ny fahajindagnana sy fagnasitragnana die nihôtran'ny efapolo taogna.23Tafarany nagnafahana anajy ireo, die avy teo amin'ny vahôka i Petera sy Jaona ary nitateriny tamin'ajy ireo je rehetra nijakain'ny mpisorogna sy ireo loholona tamin'ijy ireo. 24Laha efa regnin'ijy ireo ijany die niara-nanandram-peo hôn'Andriamanitra ijy ireo ka nijaka hoe: ''Tompo, anao no nagnano ny lagnitra sy ny tany sy ny ranomasina, ary je rehetra ao amin'ijany. 25Nijaka tamin'ny alalan'ny Fagnahy Masigna tamin'ny vavan'ny mpanomponao, ny ibantsena Davida Ianao hoe: 'Nohôna no vignitra ireo firenena Jentilisa, sy ireo olo mieritreritre raha tsy misy ilavana anajy?26Anareo nijaka hoe: ''Ireo mpanjakan'ny tany die efa nitambatra, ary ireo mpanampaka die nivondrogna hanohitra ny Tompo, sy hanohitra ny Kristiny.'27Fa efa i Heroda sy Pontsy Pilato, ijay niaraka tamin'ireo jentilisa sy ireo vahôkan'Israely, no niaraka niangogna tao antanàna hanohitra an'i Jesôsy mpanomponareo, ijay nisorognanareo. 28Niaraka nivory ijy manontolo ba hagnano je rehetra namboarin'ny tagnanareo sy drafitrareo ijay efa nitampahin'ijy ireo hatao meloha.29Ankehitriny, Tompo, jahay ireo fampitandreman'ijy ireo ary ameo ireo mpanomponao ba hijakany ny jakanao amin-kahasahena tanterake. 30Ampary ny tagnanao ba hagnafake, ary hagnome ireo famantarana sy fahajindagnana amin'ny alalan'i Jesôsy mpanomponao masigna.'' 31Laha efa avy nivavaka ijy ireo, die nihojongojogna ny pilasy ijay nerahan'ijy ireo nivory, ary feno ny Fagnahy Masigna ijy manontolo ary nilaja ny jakan'Andriamanitra an-kasahena.32Ny ankabeajan'ireo nino die fo sy fagnahy raike. Tsy nisy nijaka fa ny raha je ajony die anajy rery manokagna, fa raha nerahan'ijy ireo nanagna. 33Niaraka tamina hery lehibe no nagnambaran'ny apostoly ny fijorôn'ijy ireo vavolombelogna mahakasika ny fitsanganan'i Jesôsy Tompo tamin'ny maty, ary fahasoavana lehibe no teo amin'ijy manontolo.34Tsy nisy olo nanagna raha nampijaly teo amin'ijy ireo, fa je rehetra nanagna tany sy tragno die namidy ary nitondra ny volan'ny raha manontolo ijay lafo. 35ary najanogna teo an-tongotr'ireo apostoly, ary nijaraina tamin'ny olo kiraidraike arak'ijay ilain'ijy ireo.36Josefa, Levita raike, Lelahy avy agny Sipra ijay nantsoin'ireo apostoly hoe Barnabasy (ijay midika hoe Janaka lahin'ny fampaherejana), 37nivarotra tany sy nitondra vola ary nagnavela anajy teo an-tongotr'ireo apostoly.
Chapter 5

1Fa nisy lelahy raike angihana hoe Ananiasy, niaraka tamin'i Safira vadiny, nivarotra anjara tany, 2ary nitanany ny ansasagny tamin'ireo vola vidiny (ny vadiny hiany koa die nahafantatra ijany), ary nitondra ny ampahany hafa tamin'ijany ary nagnavela anajy teo an-tongotr'ireo apostoly.3Fa Petera nijaka hoe: ''Ananiasy, nahôna no nifenôn'i Satana vandy ny fonao hivandy amin'ny Fagnahy Masigna, sy hitagna ny ampahany amin'ny vidinin'le tany? 4Laha bola tsy lafo ijany, tsy nijanogna ho fanagnanao manokagna ve ijany, ary laha efa lafo ijany, tsy teo amin'ny fahefanao ve ijany? Ahôna no nieritreretanao anijany tao amin'ny fonao? Tsy nivandy tamin'olo anao, fa tamin'Andriamanitra.'' 5Laha avy naharegny an'ireo jaka ireo die lavo tamin'ny tany Ananiasy ka afaka ny aigny, ary tahotra lehibe no avy tamin'ireo je naharegny anijany. 6Ary ireo matanjake die nagnantogna ka namogno lamba anajy, ka nindôsin'ijy ireo nivôka ijy ary nalevigna.7Tafaran'ny lera telo teo ho eo, die niditra ny vadiny, bola tsy nahalala je nitranga.8 Petera nijaka taminajy hoe: ''Jakay aminahy laha ijany no namarotanareo ny tany.'' Die hoy ijy: ''Eka, noho ijany.''9Aviteo i Petera nijaka anajy hoe: ''Nahôna anareo no nagneky hiaraka hitsapa ny Fagnahin'ny Tompo? Ito, ireo tongotr'ireo olo jay nandevigna ny vadinareo die eo ambarangaragna, ary hamôka anao ijy ireo. 10Ary lavo teo no ho eo tamin'ny tongony ijy ary afaka ny aigny. Laha efa niditra tao ireo lelahy matanjaka, die nahita anajy maty, ka nitondra anajy nivôka sy nandevigna anajy teo agnilan'ny vadiny. 11Reki-tahotra ny fengonana manontolo sy ireo ijay naharegny anijany raha ijany.12Famantarana sy fahagagana rahabe no niseho tamin'ireo vahôka tamin'ny alalan'ireo tagnan'ireo apostoly. Niaraka tamin'ny felofan'i Salomona ijy ireo. 13Fa tsy nisy olo hafa nanagna fahasahena hiaraka amin'ijy ireo; k'anafa, ny vahôka die nanandratra fankasitrahana ambony hônajy ireo.14Ary vôha mêla nihamaro ireo mpino ijay nagnampy isa ny Tompo, andian-delahy sy viave, 15ka nindôsin'ijy ireo tegny andalagna hatramin'ny marary ary nampatoren'ijy ireo tambony fandrena sy farafara, ka ba laha efa mandalo i Petera, die mety ba hagnaloka ny sasagny amin'ijy ireo ny alokany. 16Teo mandy koa die rahabe ny vahôka niaraka avy ao amin'ny tanàna magnodidigna an'ny Jerosalema, nitondra ny marary sy ireo je nampijalin'ny fagnahy maloto, ary die nahafaka ijy manontolo.17Fa nitsangagna ny mpisorognabe sy ireo ijay niaraka taminajy (ijay sekta an'ireo Sadoseo); ary die feno felognana ijy ireo 18ary nanambotra ankeriny ireo apostoly, ary nampiditra anajy ireo tagny andragno mejigna.19Ary nandritry ny aligna die nisy anjelin'ny Tompo namoha ny varangaragny ny fonja ary namôka anajy reo tao, sy nijaka hoe: 20''Mandihana, mitsangana ao amin'ny tempoly ary mijaka amin'olo ireo jaka manontolon'itoy fiegnana toy.'' 21Laha efa naharegny anijany ijy ireo die niditra tao amin'ny tempoly laha vantany vômandraigna ny andro ka nampianatra. Fa avy ireo mpisorognabe sy ireo je niaraka taminajy, ary nangaika ny filan-kevitra manontolo, ireo loholo manontolon'ny vahôkan'Israely, ary nalefa tagny am-ponja ba hamôka ireo apostoly.22Fa laha avy ny mpiabigna die tsy nahita anajy ireo tao am-ponja, ka nipody ijy ireo ka nitatitra hoe: 23''Nahita ny tragno menjigna nihidy tsara ahay, ary ny mpiambigna die nijoro tsara niambigna teo am-baravaragna, fa laha efa ni vohanay ijany, tsy nahita olo tao agnatiny ahay.''24Ary laha efa naharegny anijany ny lehiben'ny mpiambigna ny tempoly sy ireo mpisorognabe, die very hevitra tanteraka ijy ireo mahakasika ny raha mety hitranga. 25Fa nisy olo avy ary nijaka tamin'ijy ireo hoe: ''Ireo lelahy ijay nampidirinareo tao andragnomejigna die nitsangangna ao amin'ny tempoly ary mampianatra ny vahôka.''26Ary lasa ny lehiben'ny mpiambigna niaraka tamin'ireo mpiandry raharaha, ary nitondra anajy ireo niverigna, fa tsy tamin'ny herisetra, satria natahotra ny vahôka ijy ireo sao die hitiliny vato.27 Laha efa nitory nitondra anajy ireo ijy ireo, die nandefa anajy ireo teo agnatrehan'ny filan-kevitra. Nagnadihady anajy ireo ny mpisorognabe, 28nijaka hoe: ''Nisakananay mafy anareo ba tsy hampianatra an'io agnarana io, k'anefa, nifenônareo ny fampenaranareo i Jerosalema, ary tienareo ho tompon'andraikitra amin'ny ràn'io lelahy io ahay.''29Fa i Petera sy ireo apostoly namaly hoe: ''Ahay die tokony hagneky an'Andriamanitra nohon'ny olo. 30Ny Andriamanitrin'ny rajagnay nanagangna an'i Jesôsy, ijay nivoninareo tamin'ny fanampajana Anaje teo amin'ny hajo. 31Andriamanitra nanandratra Anajy teo amin'ny tagnana ankavanane ba ho Tompo sy Mpamonjy, ba hagnome fibebahana hôn'Israely, sy famelana ny heloka. 32Ahay die vavolombelogna ny amin'ijany raha ijany, ary hiany koa ny Fagnahy Masingna, ijay namen'Andriamanitra hôn'jay magneke Anaje.33Laha naharegny an'ijany ireo tao amin'ny filan-kevitra, die vignitra ijy ireo ary nandremby hamono ireo apostoly. 34Fa nisy Fariseo raike nangehina hoe Gamaliela, mpampianatra lalàna, ijay nihajain'olo manontolo, nitsangagna ary nandidy ireo apostoly ba halaina avôke kely agny ivelany.35Ary ijy nijaka tamin'ijy ireo hoe: ''Lelahy Israely, tandremo tsara ny amin'ny raha je hamboarinareo miaraka amin'ireo olo ireo. 36Fa tagny aloha tagny, Teodasy nilaja ny tegnany ho javatra, ary vondron'olo, tokony ho efa-jato no nagnaraka anajy. Nivonina ijy, ary ireo rehetra nagnaraka anajy die nibo ary nanjary tsinotsino. 37Aviteo io lelahy io, Jodasy avy agny Galilia die nitsangagna tamin'ny andron'ny fagnisana ary nagnentagna olo rahabe hagnaraka anaje. Ijy mandy koa die nivonina, ary ireo manontolo je nagneky anajy die nibo hiany koa.38Ary amijao fotôgna jao, die lajaiko aminareo, magnalavira an'ireo lelahy ireo ary abilay ho rerike ijy ireo, fa laha avy amin'olo io drafitra na io asa io, die ho fôgna ijany.39 Fa laha avy amin'Andriamanitra koja, die tsy ho ajonareo foagnana ireo; mety ho hitanareo andré fa miady amin'Andriamanitra anareo.'' Die resy lahatra ijy ireo.40Ary niantso an'ireo apostoly hiditra ijy ireo ary namioke sy namôrisè anajy ireo tsy hijaka amin'ny agnaran'i Jesosy, ary nagnavela anajy ireo henga. 41Ijy ireo die nandao ny filankevitra tamimpifalena satria magneva ny hitondra fahafaham-baraka hôn'le agnarana. 42Tafaran'ijay, isan'andro, tsy nijanogna nampianatra sy nitory an'i Jesosy ho Kristy ijy ireo, teo ankiajan'ny tempoly sy tamin'ny tragno rahabe.

Chapter 6

1Ary tamin'ijany andro ijane, laha nihanitombo ny isan'ireo mpianatre, die nanomboke nisy fitaraignana nataon'ireo Jiosy mijaka Grika hanoherana ireo Hebreo, satria nataon-dreo tsinontsinona ireo mpitondra-tegnany tamin'ny fijarana sakafo isan'andro.2Ny roa ambin'ny folo die nagnatso ireo mpianatra abiaby ho agny amin-dreo sady nijaka hoe:" Tsy mety ho antsena laha mandao ny tenin'Andriamanitra mba hikarakara ireo latabatra. 3Noho ijany anareo die tokony mifidy, ry rahalahy, fito aminareo lelahy tsara laja, feno fagnahy sy fahendrena, mba ho tendrenay hikarakara ijane raharaha ijane.4 Laha aminay die hanohy hatrany amin'ny fivavahana sy amin'ny fampianarana ny teny ahay5Nahafinaritra ny olo aby ny jaka nataon-dreo. Ka nifidy an'i Stefana areo, lelahy feno finoana sy Fanahy Masina, ary i Filipo, Prokoro, Nikanora, Timona, Parmena ary Nikoleo, proselyta avy agny Antiokia. 6Ireo mpino die nitondra ireo lelahy teo anatrehan'ny Apostoly, ijay nivavaka sy nametraka ny tagnany tamin-dreo.7Ka niparitaka hatrany ny tenin'Andriamanitra, ary ny isan'ny mpianatra tao Jerosalema die nihanitombo be, ary mpisorona rahabe koja lasa mpankatoa ny finoana.8Ary Stefana, feno fahasoavana sy hery, die nagnano fahagagana sy famantarana lehibe teo amin'ny vahôke. 9Fa nisy vahôke saragne nitsangana ijay an'ny synagoga ijay atao hoe ny Synagogan'ny Libertina, sy an'ny Kyreniana sy Aleksandriana, ary ny Saragne avy agny Kilikia sy Azia. Ireo olo ireo die niady hevitra tamin'i Stefana.10Ijy ireo die tsy nahatohitre ny fahendrena sy ny Fagnahy ijay nijakan'i Stefana. 11Avy eo die nisy olo nanaovan-dreo kolikoly mba hijaka hoe: "Efa regninay Stefana nijaka ratsy momba an'i Mosesy sy Andriamanitra.12Nanaitra ny olo areo, ny loholona sy ny mpanora-dalàna, die nandeha eo amin'i Stefana areo ary nanambotra an'aje teo ankatrehan'ny mpanolotsaina. 13Ary areo die nitondra fijoroana vavolombelogna diso, die nijaka hoe: "Itoy lelahy itoy die tsy miegnina mijaka ratsy itoy toerana masina itoy sy ny lalàna. 14Fa ahay die naharegne an'aje nijaka fa io Jesôsy avy agny Nazareta io die handrava itoy toerana itoy sy hagnova ireo fomba ijay natolotr'i Mosesy antsena." 15Ireo abiaby ijay nidoboke teo amin'ny toeran'ny mpanolotsaina die nandinike an'aje ka nahita fa hôtrin'ny anjely ny tarehine.
Chapter 7

1Ny mpisorognabe nijaka hoe: "Marina ve ijany manontolo ijany?" 2Stefana nijaka hoe: "Ry rahalahy sy ry iaba, tenoy aho: "Ny Andriamanitrin'ny voninahitra niseho tamin'i iabantsena Abrahama tamin'ijy tagny Mesopotamia, talohany nipitrahany tao Harana; 3nijaka taminy Ijy hoe: "Melà eo amin'ny taninao anao sy ireo havanao, ary mandihana amin'ilay tany ijay atoroko anao."4Aviteo niala an'ilay tanin'ny Kaldeana ijy ary nipetraka tagny Harana; nanomboka teo, tafaran'ny nahafatesan'ny iabany, nindôsin'Andriamanitra tagny amin'ny tany io ijy, ijay hipitrahanao ijao. 5Tsy nameny ho lava teo ijy, tsiare, tsy ampy hametrahana tongotro akory. Fa nameny toky ijy, na die bola tsy nanan-janaka aja i Abrahama fa ijy die hagnome ny tany anajy ho fanagnany sy ho an'ireo taranagny agny afarany.6Andriamanitra die nijaka taminajy tahaka anijao, fa ireo taranagny die hipetraka elabe agny amin'ny tanin'ny firenena hafa, ary ireo mponigna ao die hitondra anajy ireo amin'ny fagnandevojana sy fampijalena mandritry ny efa-jato taogna. 7Nefa hitsaraiko ny firenena ijay tompon'ijy ireo,' hoy Andriamanitra, 'ary afaran'ny jay die hagnantogna sy hidera Anahy eo amin'io toerana io ijy ireo. 8Aviteo namen'Andriamanitra an'i Abrahama ny fagnekena amin'ny famorana, ka i Abrahama die nanjary iaban'Isaka ary namora anajy tamin'ny andro fahavalo; Isaka die nanjary iaban'i Jakoba, ary Jakoba nanjary iaban'ireo patriarika roa ambin'ny folo.9Satria ireo patriarika die nialogna an'i Josefa, ka namidindreo tagny Egypta ijy; fa Andriamanitra die niaraka taminajy10 ary namonjy anajy tamin'ireo olagny manontolo. I Josefa die nameny fankasitrahana sy fahendrena teo agnatrehan'i Farao, mpanjakan'Egypta, ijay nametraka anajy ho goverinora manapaka an'Egypta sy ambonin'ireo fanagnany manontolo.11Ary die avy ny mosary nagneragna an'Egypta sy Kanana, sy fijalena lehibe, ary ireo ranjantsena die tsy nahita hanina. 12Fa laha efa nandregny i Jakoba fa nisy vary tao Egypta, nandefa ireo ranjantsena tamin'ny diendreo vôlohany ijy. 13Tamin'ny diendreo faharoa i Josefa nampahalala ny tegnany tamin'ireo rahalahiny, ary ny fianakaven'i Josefa dia nanjary fantatr'i Farao.14Josefa die nagniraka ireo rahalahiny hijaka an'i Jakoba iabany ba ho avy agny Egypta, miaraka amin'ireo havany manontolo, teo amin'ny dimy ambin'ny fitopolo olo laha atambatra. 15Noho ijany Jakoba die nidigna tao Egypta, ary maty ijy, ijy sy ireo rajantsena. 16Nitakonina ho agny Sekema izy ireo ary nalevigna tao amin'ilay fasagna ijay nividin'i Abrahama tamin'ny volafotsy tamin'ireo janak'i Hamora tagny Sekema.17Laha efa nariny ny fotôgnan'ny fampagnatenana, ilay fampagnatenana ijay namen'Andriamanitra an'i Abrahama die niharahabe sy nitombo ny olo tao Egypta, 18mandra-tsanganan'ny mpanjaka hafa tao Egypta, mpanjaka ijay tsy nahalala ny momban'i Josefa. 19Io mpanjaka io hiany no namitaka ny vahôkantsena sy nampijaly ireo ranjantsena, ijy ireo die namôrise ny rajantsena handao ireo janagny ambava-loja ba tsy ho velogna.20Tamin'ijany fotôgna ijany i Mosesy no teraka; ijy die tsara teo agnatrehan'Andriamanitra ary nitejaina telo volagna tao andragnon'ny Iabany. 21Laha efa navôka tegny ivelany ijy, die ny janaka vavin'i Farao no nanangagna sy niteja anajy tahaka ny janagny lahy.22I Mosesy die nampenarina ireo fahendrena mano tolo nanagnan'ny Egypta, ary ijy die nahery tamin'ny jakany sy ny asany. 23Ka laha efa ho efa-polo taogna ijy, tonga tao am-pony ny hamangy ireo rahalahiny, janak'Israely. 24Nahita Israelita raika ijay nampijalena ka niaro anajy i Mosesy sady namaly an'ilay jay nampijaly anajy tamin'ny famonôna Egyptianina: 25Nihevitra ijy fa ho ajon'ireo rahalahiny fa tamin'ny alalan'ny tagnany Andriamanitra no nagnavotra anajy ireo, nefa die tsy ajon'ijy ireo ijany.26Ny andro magnaraka die avy tao amin'ireo Israelita sasagny ijy laha ijy ireo nifamaly; nagnandragna ny nampangigna ny tsiraidraika ijy, nijaka hoe: " Ry lelahy, anareo die mpirahalahy, magnino anareo no mifamôratra? 27Fa ny raika ijay nagnano ny tsy mety tamin'ny akamany nanosika anajy, ary nijaka hoe: "Ija no nanendry anao ho mpanapaka sy hitsara anay? 28Tienao ve ny hamono anahy, tahaka ny namonônao ireo Egyptianina omaly?"29Nitsôka i Mosesy laha efa naharegny anijany; nanjary mpiavy ijy tao amin'ny tanin'ny Midina, ijay nitorahany ny janagny rôlahy. 30Laha efa dila ny efa-polo taogna, nisy anjely raika nivôka tamin'ny tany agnefitra tegny amin'tendrombohitra Sinay, teo amin'ny lelan'afon'ilay vôroy nirehitra.31Laha efa tajagn'i Mosesy ilay afo, gaga ijy tamin'ilay fahitana; ary laha efa nagnantogna ijy nijaha, indro avy agny nisy feon'ny Tompo nijaka hoe: 32"Iaho no Andriamanitr'ireo rajagnao, Andriamanitr'Abrahama, sy Isaka, ary Jakoba." Nangitakitaka i Mosesy ary tsy nahasahy nijaha.33Ny Tompo nijaka taminajy hoe: "Alay ny kapa egny amin'ny hongotrao, fa io toerana ijay ijorônao io die tany masigna. 34Efa hitako tokôtra ny fijalen'ny vahôkako ijay ao Egypta, regniko ny fitaregnan'ijy ireo, ary efa nidigna nagnavotra anajy ireo Aho; ka ankehitriny, alefako ho agny Egypta anao."35Io ilay Mosesy ijay nolavin'ijy ireo, laha efa nijaka ijy ireo hoe: "Ija no na endry anao ho mpanapaka sy mpitsara?" Ijy ilay tokagna ijay nalefan'Andriamanitra sady ho mpanapaka no mpagnavotra. Andriamanitra nandefa anajy tamin'ny alalan'ny tagnan'ilay anjely ijay nipoitra tamin'ny Mosesy tegny amin'ny vôroy. 36Nitarika anajy ireo hiala tao Egypta i Mosesy, laha efa avy nagnano fahagagana sy famantarana tao Egypta sy tegny amin'ny ranomasina mena, ary tegny agnefitra nandritra ny efa-polo taogna. 37Io ihiany ilay Mosesy ijay nijaka tamin'ny vahôkan'ny Israely hoe: "Andriamanitra die hanangagna mpaminagny hônareo eo amin'ny rahalahinareo, mpaminagny tahaka Anahy.'"38Ijy ilay lelahy ijay tao am-pengonana tao agnefitra niaraka tamin'ilay anjely ijay nijaka taminajy tagny amin'ny tendrobohitr'i Sinay. Ijy ilay lelahy niaraka tamin'ireo rajantsena; ijy ilay lelahy ijay nandray ny teny velogna jaraina hôntsena. 39Ijy ilay lelahy ijay tsy nankasitrahin'ireo ranjantsena; natolak'ijy ireo lavitra ajy ireo ijy, ary agny am-pon'ijy ireo die nimpody tagny Egypta ijy ireo. 40Tamin'io fotôgna io nijaka tamin'i Arona ijy ireo hoe: "Agnamboary Andriamanitra ahay hitarika anay, tahaka an'i Mosesy, ijay nitarika antsena hivôka an'ny Egypta, tsy fantantsena ijay nitranga taminajy."41Ary nagnambôtra aomby lahy kely ijy ireo tamin'ijany andro ijany ary nitondra fagnatitra teo amin'ilay Sampy, ary nifaly tamin'ny asa tagnany ijy ireo. 42Niherika Andriamanitra ary nagnavela anajy ireo ba ho fiderana ireo kintagna egny an-dagnitra, araka ny vôsoratra tao amin'ny bokin'ny mpaminagny: "Anareo ve nanolotra Anahy biby maty sy fagnatitra sy fagnatitra nandritry ny efa-polo taogna tao agnefitra, tragnon'ny Israely?43Nekenareo ny taberinakelin'i Moloka sy ny kintan'Andriamanitra Refana, sy ireo sary ijay amboarinareo hiderana anajy, ary aho hitondra anareo agny ankôtran'Babylona."44Ireo ranjantsena die nanagna taberinakelin'ny fijorôna vavolombelogna tao agnefitra, araka ny bekon'Andriamanitra laha efa nijaka tamin'i Mosesy Ijy, ijay tokony namboariny nitovy tamin'ilay fomba efa hitany. 45Io ilay tragnolay ijay nalain'ireo rajantsena, ary nindôsiny tao amin'ilay tany niaraka tamin'i Josoa, teo agnatrehan'ireo rajantsena, ireo fanagnan'ny firenena ijay nandroahan'Andriamanitra ny tany ijay niresin'ijy ireo ho fanagnan'ijy ireo manokagna, Ilay tragnolay die nitoetra tao amin'ilay tany nandritry ny andron'i Davida, 46ary ijy nahajo fankasitrahana tao amin'ny fahitan'Andriamanitra ary nagnotany raha hahita toerana ho an'Andriamanitr'i Jakoba.47Fa i Salomona no nagnambôtra ny tragno hôn'Andriamanitra. 48Na die ijany aja, ny avo indrindra die tsy nipetraka tao amin'ny tragno vita tamin'ny tagnana, araka ny vôlajan'ny mpaminagny hoe: 49"Ny lagnitra no seja fiandrianako, ary ny tany no fitoeran-tongotro. Tragno hôtranino no hamboarina ho Anahy? hoy ny Tompo, na toerana tahakan'ino no hijanognako? 50Tsy tagnako ve nagnambôtra ireo raha manontolo ireo?51Ireo olo mafy hatoka sy tsy vôfora ao am-po sy sofigna, anareo die manohitra fôgna ny fagnahy Masina; anareo die magnano tahaka ijay namboarin'ny rajagnareo. 52Ija tamin'ireo rajagnareo no tsy nagnenjika mpaminagny? Nivonin'ijy ireo ny mpaminagny ijay niseho talohan'ny fieven'ilay fahamarinana, ary ankehitriny anareo die nanjary mpamadika sy mpamono anajy koa, 53anareo vahôka ijay nandray ny lalàna ijay navelan'ireo anjely, kanefa tsy nivaharanareo ijany."54Ary laha efa maharegny ireo raha ireo ny mpikambagna ao amin'ny filankevitra, tohigna ny fon'iny ireo, ary nihidy vajagna ijy ireo tamin'ny Stefana. 55Fa ijy, ijay feno fagnahy Masina, nijaha tsara ny lagnitra ary nahita ny voninahitr'Andriamanitra, ary nahita an'i Jesôsy nijoro teo ankavanan'Andriamanitra. 56Stefana nijaka hoe: "Jereo, hitako mivoha ireo lagnitra, ary ny janak'olo mijoro eo ankavanan'Andriamanitra."57Teo amin'ny jay die nitapenan'ireo mpikanbagna ao ami 'ny filan-kevitra ny tadignin'ijy ireo, ary nihieka niaraka tamin'ny feo ambony, nihajakajaka ijy ireo nenga tegny aminajy. 58Nitarihin'ijy ireo ambohon'ny tanàna ijy ary nanomboka nitily vato anajy ijy ireo, ary ireo vavolombelogna die nagnabela ny ankajony teo amin'ny hongotr'ilay jaja lahy nangehina hoe Saoly.59Laha nitily vato an'i Stefana igny ijy ireo, nangaika mahare ny Tompo ijy ary nijaka hoe: "Tompo Jesôsy, reso ny fagnahiko." 60Nandohalika ijy ary nangaika tamin'ny feo mahare hoe: "Tompo, aja tanana ijao ota ijao hanoherana anajy ireo." Laha avy nijaka an'ijany ijy die ajon-tory.

Chapter 8

1Nagneky ny fahafatesany i Saoly. Ka nanomboka tamin'io andro io ny fagninjehana lehibe hanoherana ny fiengonana ijay tao Jerosalema; ary ireo mpino rehetra die niparitaka nagneragna ireo faritry Jodia sy Samaria, Ankôtra ireo apôstôly. 2Ireo lelahy matahotra an'Andriamanitra die nandevigna an'i Stefana ary nagnano hira fisôrana an'aje. 3Fa Saoly die nanimba tanteraka ny fengonana; nitety tragno ijy ary nangala ireo lelahy sy ireo viavy, ary nandefa an-dreo andragno mejigna.4Fa ireo mpino ijay niparitaka die nandeha nitory ny tegnane. 5Filipo die nidigna tagny amin'ny tanàn-dehiben'ny Samaria ary nitory an'i Kristy tamin-dreo.6Laha efa naharegny sy nahita famantarana ijay nataon'ny Filipo ny vahôka raha be. 7Ireo fagnahy maloto die nivôka tamin'ireo raha be ijay nidirane, nihieka mafe, ary maro tamin'ireo malemy sy kilemaina no sitragna. 8Noho ijany die nisy fifalena lehibe tao amin'ilay tanàn-dehibe.9Fa nisy lelahy raika nangihina hoe Simona tao amin'ny tanàn-dehibe, ijay vô vetivety no nilalao ody; matetika nampitolagaga ireo vahôkan'ny Samaria ijy, laha efa magnambara fa ijy die olo manan-danja. 10Ireo Samaritana rehetra, manomboka amin'ny kely indrindra ka hatramin'ny lehibe indrindra, die niteno tsara an'ajy; ary hoy areo hoe: "Io lelahy io die ilay fahefan'Andriamanitra ijay antsoina hoe Lehibe." 11Areo die niteno an'ajy, satria ijy die nampitolagaga an-dreo efa nandritry ny fotôgna ela tamin'ireo odine.12Fa laha efa nino an'i Filipo areo noho ijy nitory ny filajantsara momba ny fanjakan'Andriamanitra sy ny agnaran'i Jesôsy Kristy, die namboarina batisa areo, na ireo lelahy na ireo viave. 13Na i Simona aza die nini, ary tafaran'ny nanôvana batisa an'aje die negnina niaraka tamin'i Filipo fehijay ijy. Laha efa nahita ireo famantarana sy asa lehibe ijay niseho ijy, die gaga.14Ary laha efa regnin'ireo apôstôly ao Jerosalema fa nandray ny tenin'Andriamanitra Samaria, die nalefan-dreo tagny amin-dreo i Petera sy Jaona. 15Laha efa nidigna areo, die nivavaka hôn'ijy ireo areo, ba mety handresan-dreo ny Fagnahy Masina. 16Fa nandrapahatongavan'ijany fotôgna ijane, die bola tsy nisy nilatsahan'ny Fagnahy Masina mihintsy areo; fa vita batisa tamin'ny agnaran'i Tompo Jesôsy fotsiny mandy. 17Avy teo i Petera sy Jaona die nametraka ny tagnany teo amin-dreo, ary die nandray ny Fagnahy Masina areo.18Ary laha efa hitan'i Simona fa ny Fanahy Masina die natolotra teo an-tagnan'ireo apôstôly tamin'ny alalan'ny fametrahan-tagnana, die nameny vola areo. 19Hoy ijy hoe: "Omeo an'ahy mandy koa ijany fahefana ijane, ka ijay rehetra amitrahako tagnana die mety handray ny Fagnahy Masina."20Fa hoy i Petera taminaje hoe: "Ho velogna miaraka aminao anie ny volafotsinao, satria anao nieritreritra ny hahajo ny fagnomejan'Andriamanitra amin'ny alalan'ny vola. 21Anao die tsy managna anjara na ampahany amin'ijane raha ijane, satria ny fonao die tsy marina amin'Andriamanitra. 22Noho ijany mibebaha amin'ny faharatsenao, ary mivavaha amin'ny Tompo, sa ba mety hamela ny fagniren'ny fonao ijy. 23Fa aho mahita fa anao die vôpoïjin'ny lolom-po sy vôfehin'ny fahotana anao."24Simona namaly ary nijaka hoe: "Mivavaha amin'ny Tompo hôn'ahy, ba tsy hisy hitranga amin'ahy ireo ijay nijakainao."25Laha efa nijoro vavolombelogna sy nagnambara ny jakan'ny Tompo areo, die niverigna tagny Jerosalema i Petera sy Jaona, nitory ny filajan-tsara tamin'ireo tanàna maro tao Samaritana.26Ary nisy anjelin'ny Tompo nivoria tamin'i Filipo sady nijaka hoe: "Mitsangàna ary mandihana miagnantsimon'ny lalagna midigna avy agny Jerosalema menga agny Gaza." (Io lalagna io die agny agn'efitre.) 27Die nitsangagna ijy ary nandeha. Indro, nisy lelahy avy tagny Etiopia, tandapan'ny Kandasy, mpajaka viavin'ireo Etiopiana. Ijy no niandrekitra ny harena rehetre. Avy tagny Jerosalema ijy ba hidera. 28Ary nody ijy ka nitoboka teo amin'ny kalesany, ary namaky ny jakan'i Isaia mpaminagny.29Ary ilay fagnahy nijaka tamin'ny Filipo hoe: "Mandihana ary aja miala lavitra an'io kalesa io." 30Ka die nihajakajaka nagnantogna an'aje ijy, ary naharegny an'aje namaky ny jaka tao amin'Isaia mpaminagny, ary nijaka hoe: "Ajonao ve io vakinao io?" 31Nijaka ilay Etiopiana nagnano hoe: "Aôna no hahafantarako, laha tsy misy olo mitari-dalagna an'ahe?" Nengavy an'i Filipo ijy ba hagnantogna ny kalesa ary hitoboka hiaraka aminaje.32Ary ny andalan-soratra Masigna ijay nivakin'ilay Etiopiana die nagnano hoe: "Nandao hivonina hôtran'ny ondry ijy, ary hôtran'ny janak'ondry môgna teo alohan'ny mpibory an'aje, noho ijany die tsy niloa-bava ijy. 33Fa tamin'ny fagnalam-baraka an'ajy die nalaina tamin'ajy ny rarine. Ija no afaka hamaritra tanteraka ireo taranagne? Nohon'ny aigny nalaina teto an-tane."34Noho ijany die nagnotany an'ilay tandapa i Filipo, nagnano hoe: "Mitalaho aminao aho, ija no vorianin'io mpaminagny io, ny tegnany mandy ve, sa olon-kafa?" 35Nanombaka nijaka i Filipo, ary nanomboka tamin'ijany soratra masigna ijany no nitoreny ny filajantsara momba an'i Jesôsy tamin'aje.36Laha efa nenga tagny an-dalagna areo, die nagnantogna tegny amin'ijay nisy rano areo ary hoy ilay tandapa hoe: "Indro, misy rano eto. Ino no mahasakagna an'ahy tsy atao batisa?" 37(Fagnamarihana: Hoy Filipo hoe: "Raha mino amin'ny fonao manontolo anao, die afaka atao batisa." Ilay Etiopiana namaly hoe: "Mino aho fa Jesôsy Kristy no janak'Andriamanitra.") 38Ka nasain'ilay Etiopiana najanogna ilay kalesa. Nidigna tegny amin'ny rano areo, i Filipo sy ilay tandapa, ary natan'i Filipo batisa ijy.39Laha efa nivôka ny rano areo, die nandan'ny fagnahin'ny Tompo i Filipo, ka tsy hitan'ilay tandapa koa ijy, fa nenga tam-pifalena tegny amin'ny lalagny. 40Fa i Filipo die niseho tagny Azota ary nitety an'io faritra io ijy, nitory ny filajantsara eraky ny tanàn-dehibe rehetra mandrapahatongany tagny Kaisaria.
Chapter 9

1Fa i Saoly, die mbola nijaka fandrahognana fehijay eka fa na hatramin'ny famonoana manohitre ireo mpianatry ny Tompo aja, nenga tagny amin'ny mpisoronabe die2 nagnadigna andreo taratasy ho an'ireo Synagoga tao Damaskosy, ka raha mahita na ija na ija eo amin'ny Lalagny ijy, na lelahy na viavy, indôsine hifatotre agny Jerosalema ijy ireo.3Raha mbola nandeha ijy die ijao no nitranga laha tonga teo akekin'i Damaskosy ijy, tampoke teo die nisy hazavana namirapiratre nagnodidigna anajy avy agny an-dagnitre;4 die lavo tamin'ny tany ijy ka naharegny feo nijaka taminajy hoe: ''Saoly,Saoly, nagnino anao no magnenjika anahy?''5Saoly namaly hoe: ''Ija anao , Tompo?'' Hoy ny Tompo: ''Iaho no Jesôsy ijay enjehinao;6 fa mitsangana, midira ao amin'ny tanàna, die ho jakaina aminao ijay tsy mentsy ho ataonao.'' 7Ny lelahy ijay niara-die tamin'i Saoly die nijoro tsy nahajaka, naharegny ny feo, fz tsy nahita an'ija na ija.8Nitsangana laha tamin'ny tany i Saoly, die laha nanokatre ny masone ijy, die tsy afake nahita na ino na ino ijy; ka nintantagna-dreo tamin'ny tanagne ijy die nihoentina tagny Damaskosy. 9Tsy nahiratre ijy nandritre ny telo andro, die tsy nihinagna ijy no sady tsy ninogna.10Die nisy mpianatre tao Damaskosy angihina hoe Ananiasy. Nijaka taminajy tamin'ny fahitana ny tompo: ''Ananiasy!'' Hoy ijy: ''Indro itpy iaho, Tompo.'' 11Nijaka taminajy ny Tompo: ''Mitsangana, die mandihana agny amin'ny lalagna ijay angihina hoe Mahitsy, die raha ao andragnon'i Jodasy die mangataha amin'ny lelahy avy agny Tarsosy angihina hoe Saoly, fa mivavake ijy. 12Efa nahita tamin'ny fahitana ny fevian'olo angehina hoe Ananiasy ijy die hametrake ny tanagne eo aminajy, ka mety hahita koa ijy.''13Fa namaly Ananiasy hoe: ''Tompo, efa naharegny tamin'ny rahabe momba io olo io iaho mahakasike ny ratsy namboarine tamin'ny olonao masina tao Jerosalema.14 Nanagna fahefana tamin'ny lohan'ny mpisorona ija mba hagnambotre ijay manontolo magnantso ny agnaranao eto.'' 15fa ny Tompo nijaka taminajy hoe: ''Mandihana, fa ijy die fitôvana nifidiko, mba hitondra ny agnarako eo anatrehan'ny Jentilisa sy ny mpanjaka ary ny janak'Israely;16 Fa ho abôkako anajy hoe ahôna ny fijaliane noho ny amin'ny agnarako.''17Die lasa i Ananiasy, die niditre tao amin'ny tragno. Nametrake ny tagnane teo aminajy, die nijka ijy hoe: ''Rahalahy Saoly, ny Tompo Jesôsy, ijay nibôke tzminao tegny an-dalagna rehefa nandehaty anao, no nagnirake anahy taty mba mety hahiratanao die ho feno ny Fanahy Masina.'' 18Teo no ho eo die raha hôtran'ny kiran-trondro no niendake laha teo amin'ny mason'i Saoly, die nahita ijy; nitsangana ijy die natao batisa; 19die nihinagna ijy ka nahajo hery. Nipetrake niarake tamin'ny mpianatre tao Damaskosy nandritre ny andro maro ijy.20Tonga die nagnambara an'i Jesôsy tao amin'ny synagoga ijy, nijaha fa Ijy no Janak'Andriamanitre.21 Ijay manontolo naharegny anajy die jendagna die nijaka hoe: ''Tsy io olo io ve no namono ireo tagny Jerosalema ijay nagnatso tamin'io agnarana io? Tonga teto mba hangala an-dreo ho fatorana ho agny amin'ny mpisoronabe.'' 22Fa lasa nehanantanjake i Saoly, ary nampahory ny Jiosy ijay nonigna tao Damaskosy ka nagnaporofo fa Jesôsy no Kristy.23Tafaran'ny andro maromaro, niarake-nagnano fomba mba hamono ajy ireo ny Jiosy. 24Fa lasa fantatr'i Saoly ny tetikan-dreo. Die nandigny ny vavahady andro aman'aligna mba hamonoana anajy ireo. 25Fa nangala anajy tamin'ny aligna ny mpianatrane die nagnabela anajy hidigna die nagnake anajy hidigna tamin'ny rindrigna, nampidigna anajy tao agnaty tanty.26Raha tonga teo Jerosalema ijy, die nagnandragna ny hagnatogna ny mpianatra i Saoly nefa nangoaigna anajy aby ire, tsy nino fa mpianatra ijy. 27Fa nangala anajy i Barnabasy die nitondra anajy teo amin'ny Apostoly, die nijaka tamin-dreo ijy hoe ahôna no nahitan'i Saoly ny Tompo tegny an-dalagna sy ny nijakan'ny Tompo taminajy, die ahôna no nitorian'i Saoly am-pahasahiana tamin'ny agnaran'i Jesôsy tao Damaskosy.28Nihaogna tamin-dreo ijy rehefa niditre die nivôke an'i Jerosalema.Nijaka am-pahasakina tamin'ny agnaran'i Jesôsy Tompo ijy29 die niady hevitre niarake tamin'ireo Jiosy Grika; nefa mbola niejake ny hamono anajy mandy andreo.30 Rehefa fantatr'ireo rahalahy ijany, die nihoentin-dreo nidigna tagny Kaisaria ijy die nalefane ho agny Tansosy ijy.31Die avy eo ny fiangonana nagneragna an'i Jodia manontolo, ary Samaria nanagna fiadanagna ary voaorina; die nenga tamin'ny fahangoaignana ny Tompo sy tamin'ny fampiononan'ny Fanahy Masina, ka nitombo isa ny fiangonana.32 Die tonga ijany ankehitriny, raha nandeha nagneragna ny faritre manontolo i Petera, die nenga nidigna tagny amin'ireo mpino ijay nipetrake tao amin'ny tananan'i Lyda mandy koa ijy.33Nahita olo angihina hoe Aenasy,tao ijy, ijay efa teo am-pandrena nandritre ny valo taogna, satria nalemy ijy. 34Petera nijaka taminajy hoe: ''Aenasy, magnafake anao Jesôsy Kristy. Mitsangana die amboary ny fandrenao,'' die nirake tamin'ijay die nitsangana ijy.35 Fa ijay manontolo nipetrake tao Lyda sy Sarona die nahita ny lehilahy ka niherike tamin'ny Tompo an-dreo.36Die nisy mpianatre raike angihana hoe Tabita tao Jopa, ijay adika hoe''Dorkasy''. Nagnano asa soa rahabe io viavy io die nagnano fagnampiana feno asa fiantrana ijay namboarine ho an'ny misotry.37 Tamin'ny andro io die narare ijy die mate; laha nagnasa anajy andreo, die napetrakan-dreo tao amin'ny efitragno ambony ijy.38Satria efa nagnakeky an'i Lyda i Jopa, dienaharegny ireo ny mpianatre fa tao i Petera, die nandefa olo roa tagny aminajy ijy ireo, nengavy anajy.'' Mitongava aro agny aminay tsy misy hata-kandro.''39 Nitsangana Petera die nenga niarake tamin-dreo. Rehefa tonga ijy, die nitondra anajy tao amin'ny efitre ambony an-dreo, die ny mpivantotre abiaby nitsangana teo agnilany nitagany, nagnabôke anajy akanjo sy ny lamba ijay nataon'ireo Dorakasy tamin'ijy niarake tamin-dreo.40Nalefan'i Petera tagny ivelagnin'ny efitre areo abiaby, nandohalike, die nivavake; avy eo niherike tamin'ny razagna, nijaka ijy hoe: '' Tabita, mitsangana.'' Die nanokatre ny masone ijy avy eo die nzhita an'i Petera ijy die niarigna.41 Avy eo nanolon-tanagna ajy Petera die nampitsangana anajy; die laha nangaike ny mpino sy ny mpivantotre ijy , die nabôgne tamin-dreo ny fahavelomane.42 Lasa fantatre magneragna an'i Jopa aby ijany abizby ijany, die olo rahabe no nino ny Tompo.43 Tamin'ijay Petera die nipetrake andro misimisy niarake tamin'ny lelahy raike angihina hoe Simona tao Jopa, ijay mpandoko hoditre.
Chapter 10

1Ary nisy lelahy raike tao amin'ny tananan'ny Kaisara, angehina hoe Kornelio, kapitenin'ireo antoko Miaramila Italiana.2 Lelahy mpivavake ijy, ilay raike ijay midera an'Andriamanitra miaraka amin'ny ankohonane abiaby; nagnome vola rahabe an'ireo ijay tao agnatin'ny tsy fahampena ijy, ary nivavake fehijay tamin'Andriamanitra.3Nagnodidigna ny tamin'ny sivy ora maraigna teo ho eo, nahita majava tamin'ny fahitana anjelin'Andriamanitra nagnantogna an'aje ijy. Ilay anjely nijaka tamin'ajy hoe: "Ry Kornelio!"4 Kornelio nitsirike ilay anjely ary tena reki-tahotre ka nijaka hoe: "Fa ino itiky, tompoko?" Ilay anjely nijaka tamin'ajy hoe: "Ireo vavakanao sy ireo fagnomejanao hôn'ny misotry die tafiakatre ho fagnati-pahatsiarovana eo agnatrehan'Andriamanitra. 5Ary magniraha lelahy ho agny amin'ny tanànan'ny Jopa mba hangala ilay lelahy raike atao hoe Simona ijay angehina hoe Petera.6 Monigna miaraka amin'ny mpandoko hoditre angehina ijy, ijay egny amoron-dranomasina ny tragnone."7Laha nenga ilay anjely ijay nivoria tamin'aje, die nangaike ny roe tamin'ny mpanompone tan-dragno i Kornelio, ary miaramila mpivavake raike tamin'ireo ijay nanompo an'aje. 8Kornelio nivoria tamin-dreo ijay abiaby niseho ary nandefa an-dreo tagny Jopa.9Ary ampitson'igne nagnodidigna tamin'ny enina ora teo, laha mbola tan-dalagna areo ka nagnantogna ny tanàna, die nagnanike tambony tafo-tragno i Petera mba hivavake. 10Nanomboke mosaregna ijy avy teo ka nandrembe raha ho hanina, kanefa laha mbola teo am-pandrahôna hanina ny olo, die nahita fahitana ijy, 11ary nahita ny lagnitre nivoha ijy sy fagnampirimana raike nidigna, hôtran'ny lamba makadiry midigna etoy an-tane, ampidignina amin'ny jorone efatre.12 Tao no nisy karajam-biby manan-tongotre efatre sy raha ijay mandady abiaby etoy an-tane ary ny vorognan'ny lagnitre.13Die nisy feo nijaka tamin'ajy hoe: "Mitsangàna, ry Petera, mamonoa ary mihinàna.'' 14Fa i Petera nijaka hoe: ''Tsiare, Tompo; fa mbola tsy nihinagna raha ijay vôrara sy tsy madio iaho." 15Nefa avy tamin'ajy fagnindroane indraike ilay feo hoe: "ijay nidiovin'Andriamanitra, die tsy angehina hoe fady." 16Niseho in-telo ijane; ary avy teo ilay fagnampirimana die nipody niakatre teo no ho eo tagne an-dagnitre.17Ary laha very hevitre mahakasika ny dikan'ilay fahitana ijay hitane i Petera, die igne, ireo lelahy ijay nirahin'i Kornelio nitsangagna talohakan'ny vavahady, avy teo areo die nagnontany ijay làlagnan-dreo miditre ao an-dragno. 18Die nangaike areo ary nagnonatany an'i Simona, nangehina mandy koa hoe Petera, ijay nijanogna teo.19Laha mbola nieritreritre mahakasika ilay fahitana i Petera, die nijaka tamin'ajy ny Fagnahy hoe: "Igne, lelahy telo no mandrembe anao. (Fagnamarihana: Ny dikan-teny talohake die hoe: "Lelahy roe no mandrembe anao" na "misy lelahy sara-saragne mandrembe anao.) 20Mitsangàna ary midignà ka meraha amin-dreo. Aja mihafahafa miaraka amin-dreo, satria iaho no nagniraka an-dreo. 21Ary Petera nidigna tagne amin'ireo lelahy ireo ka nijaka hoe: "Iaho ilay rombejinareo. Ino no antone nevianareo?"22Hoy areo hoe: "Ny kapiteny angehina hoe Kornelio, lelahy marina ary olo midera an'Andriamanitra, ary tsara laja agne amin'ny firenen'ny Jiosy abiaby, ijay nivorianin'ny anjely masin'Andriamanitra mba hampangala anao ho agne an-dragnone, noho ijane die afake miheno ny hafatre avy aminao ijy."23 Die nagnasa an-dreo hiditre sy hijanogna hiaraka amin'ajy Petera. Ny ampitso maraignan'igne die nitsangagna ijy ka niaraka tamin-dreo, ary ny saragne tamin'ireo rahalahy avy agne Jopa die nagnaraka an'aje.24Ny andro magnaraka die tonga tao Kaisaria areo. Kornelio die nandigny an-dreo; nangehine niarake ny havane sy akamane akeke.25Ary tamin'ijane laha niditre Petera, nifankahita tamin'ajy i Kornelio ary nenkohoke tamin'ny tongone mba hidera an'aje.26 Fa Petera nagnampy an'ajy, nijaka hoe: "Mitsangàna! Iaho mandy koa die olo mandy.27Laha mbola nivoria niaraka tamin'ajy i Petera, die niditra ijy ary nahita olo rahabe nivorovoro. 28Hoy ijy tamin-dreo: "Ny tegnanareo mahafantatre fa tsy ara-dalàna hôn'ny Jiosy ny miara-miasa na mamangy olo avy amin'ny firenena hafa. Fa Andriamanitra nagnaseho tamin'ahy fa tsy tokony hangaike olo-pady na tsy madio iaho. 29Ijany no antone neviako tsy nisy fanakasakanana, laha nirahina Iaho. Ka magnontany anareo Iaho hoe nagnino anareo no magniraka amin'ahe."30Kornelio nijaka hoe: "Efatra andro melohan'ijao ora ijao mihitsy, die nivavake tao an-dragnoko iaho tamin'ny sivy ora; ary nahita lelahy raike nitsangagna talohako teo nagnano akanjo namirapiratre.31 Hoy ijy hoe: "Ry Kornelio, efa regnin'Andriamanitra ny vavakanao, ary ireo fagnomejanao hôn'ireo misotry die mampahatadidy an'Andriamanitra ny momba anao.32 Noho ijany die magniraha olo ho agny Jopa, ary angeho ho agny aminao ilay lelahy atao hoe Simona ijay angehina hoe Petera. Monigna ao an-dragnon'i Simona mpandon-koditre angehina hoe: Simona iji, ijay egny amoron-dranomasina."(Fagnamarihana: Ny dikan-teny talohake die magnampy hoe: "Laha avy ijy, die hivoria aminao." 33Ary avy hatragny die nampandihaniko hôminao. Tsara ny fevianao. Ary amin'ijao fotôgna, antsena abiaby avy eto amason'Andriamanitra, mba hiheno ireo abiaby ijay nivorianin'ny Tompo anareo no jakaina." (Fagnamarihana: "Laha tokony ho: "nivorianin'ny Tompo no jakaina" no eo, ny dikan-teny talohake die hoe: "nivorianin'Andriamanitra no jakaina.")34Avy teo die namoha ny vavane Petera ary nijaka hoe: "Marina tokôtre,fantatro fa Andriamanitra die tsy mendagny na amin'ija na amin'ija. 35Fa koja, agny amin'ny firenena kiraidraike n'ija n'ija no midera sy mambôtre asa marina die ekeny aby.36Fantatrareo ilay hafatre ijay nalefane hôn'ny olon'Israely, laha nagnambara filajantsara mahakasika ny fedagnana avy amin'ny alalan'i Jesôsy Kristy ijy, ijay Tompon'ny abiaby- 37Anareo tegnanareo die mahafantatre ireo raha-niseho, ijay tena niseho tao amin'ny toerana abiaby tao Jodia, nanomboke tagny Galilia, tafaran'ny batisa ijay natoron'i Jaona;38 ireo raha-niseho mikasika an'i Jesôsin'ny Najareta, ny fomba nagnosoran'Andriamanitra an'aje tamin'ny Fanahy Masina sy tamin'ny hery. Nandeha nagnano soa ijy sady nagnasitragna ireo abiaby ijay vôgejan'ny devoly, satria Andriamanitra die niaraka tamin'Aje.39Antsena die vavolombelognan'ireo raha-vitan'i Jesôsy abiaby, tagne amin'ny tanin'ny Jiosy sy tagne Jerosalema. Nivonin-dreo ijy tamin'ny alalan'ny fagnasampajana an'ajy teo amin'ny hajo,40 fa Andriamanitra nanangagna an'aje tamin'ny andro fahatelo ary nagnano ijay hahitana an'aje,41 tsy ireo olo abiaby, fa ireo vavolombelogna ijay vôfidin'Andriamanitra meloha- tamintsena iajy nihinagna sy nisotro niaraka tamin'Aje tafaran'ny nitsanganane tamin'ny mate.42Nandidy anay ijy mba hagnatoro amin'ny olo sy hijoro vavolombelogna fa ijy ilay raike nifidin'Andriamanitra ho Mpitsara ny velogna sy ny mate. 43Hôn'aje no hijoroan'ny mpaminany abiaby vavolombelogna, mba ho ireo ijay mino an'aje no handray famelan-keloke amin'ny alalan'ny agnarane.44Laha mbola nijaka ijany raha ijany i Petera, die nilatsake tamin'ireo abiaby ijay niheno ny hafatrane ny Fanahy Masina.45 Ireo olo tagnatin'ny vondron'ny mpino vôfora- ireo abiaby ijay niaraka tamin'i Petera- die jendagna, satria ny fagnomejan'ny Fanahy Masina die nirotsake hôn'ny Jentilisa mandy koa.46Fa regnin-dreo ireo Jentilisa ijay mijaka amin'ireo fijakàna hafa sy mankalaja an'Andriamanitra. Die namaly Petera hoe: 47Moa ve misy olo afaka mitagna rano mba tsy hamboarana batisa an-dreo, ireo olo nandray ny Fanahy Masina hôtran-tsena koa? 48Die nandidy an-dreo mba hamboarina batisa amin'ny agnaran'i Jesôsy Kristy ijy. Ary nengavy an'aje areo mba honigna hiaraka amin-dreo mandritra ny andro vitsivitsy.
Chapter 11

1Die ny apostoly sy ny rahalahy ijay Jodia naharegny fa ny Jentlisa mandy koa die mandray ny janak'Andriamanitra. 2Laha niakatra tagny Jerosalema i Petera, areo ijay tao amin'ny antokon'ny vôfora die nagnakigna anajy, 3hoy areo hoe: "Anao nitambatra niarake tamin'ny lelahy tsy vôfora sady nihinagna miaraka tamin'dreo.4Fa petera nanomboka nagnajava ny raha-nitranga tamin'dreo tamin'ny antsipiriane; hoy ijy hoe: 5Nivavaka tagny amin'ny tanànan'ny Jopa iaho, die nahita fahitana ny amin'ny fisiandraha raike ijay nijotso, hôtrany lamba angeja nampidignina avy agny an-danitra tamin'ny jorony efatre iaho. Nijotso teo aminahe ijane.6 Nibajigna iajany iaho ary nisaintsaigna momba ijane. Nahita ny biby manan-tongotra efatra ny tany, ny biby dia, ny biby mandady, ny vorogna egny amin'ny lagnitra iaho.7Avy teo die naharegny feo nijaka taminahy hoe: " Mitsangana, ry petera ; mamonoa ary mihinàna. 8"Hoy iaho hoe:" tsia, ry Tompo; fa tsy bola misy raha tsy masina na maloto mihintsy niditre tato am-bavako."9 Fa ny feo namaly avy agny an-dagnitra ndraike hoe: " Ijay nambaran'Andriamanitra fa madio, aja angihina hoe maloto."10 Niseho intelo ijany, die avy teo die nalaina niverigna niakatra tagny an-dagnitra ndraike ny raha manontolo.11Indro, teo noho eo die nisy telo lahy nitsangagna teo alohan'ny tragno ijay nisy anay; nalefa avy tagny Kaisaria nandeha taty aminahe areo. 12Ny fagnahy die mandindy anahe hiaraka amin'dreo, die tsy tokony hagnisy fijahan-tava amin'dreo iaho. ny rahalahy enina io die nandeha niarake taminahe, die nandeha nenga ao andrangon'ny lelahy ahay.13 Ijy nijaka taminay ny nahitany anjely raike nitsangagna tao an-dragnone ary nijaka hoe:" Magniraha lelahy agny Jopa ary indôsy mipody i Simona ijay angihina hoe Petera.14 Ijy die hilaja hafatra raike aminao ijay havôvonjy anao-anao sy ny ankohonanao manontolo."15Laha vô nanomboka nijaka tamin'dreo iaho, ny Fanahy Masina die tonga tamin'dreo, hôtrany ny nidignany taminay tagny am-bôlohany.16 Tsarôko ny jakan'ny Tompo, ny nijakane hoe: "Jaona nanao batisa tamin'ny rano tokôtre; fa anareo die mila hatao batisa ao amin'ny Fagnahy Masina."17Koa raha Andriamanitra magnome an-dreo ny fagnomejana mitovy amin'ijay namene antsena tamintsena nino an'ny Tompo Jesôsy Kristy, ija iaho, no ho afaka hanohitra an'Andriamanitra?" 18Laha efa regnin'dreo ijany raha ijany, tsy nijaka n'ino n'ino hindao-mamale areo, fa nidera an'Andriamanitra koja areo ary nijaka hoe: "Ary Andriamanitra nagnome fibebahana ho fiaignana ho an'ny jentlisa mandy koa."19Ary ijay naparitaka nohon'ny fagnenjehana ijay netomboka tamin'ny fahafatesan'i Stefana die niely lavitra tagny Foinika, Kyprosy, ary Antioka, fa areo die nilaja ny hafatre momba an'i Jesôsy tamin'ny Jiosy irery mandy.20 Fa ny saragne tamin'dreo, ny lelahy avy agny kiprosy sy Kyrena, die nandeha tagny Antioka ary niresaka tamin'ny Grika mandy koa, nilaja tamin'dreo ny filajantsara momba ny Tompo Jesôsy.21 Ny tanagn'i Tompo die niaraka tamin'dreo; maro isa no nino ary nitodika tamin'ny Tompo.22Ny vaovao momba an'dreo die tonga tegny an-tsofin'ny fengonana tao Jerosalema, ary areo nagniraka an'i Barnabasy hatagny Antioka.23 Laha efa tonga ijy ka nahita ny fagnomejan'Andriamanitra, die falifaly ijy; ary ijy nampahery anajy aby mba hipetraka miaraka amin'ny Tompo amin'ny fon'dreo manontolo. 24satria ijy die lelahy tsara sady feno ny Fanahy masina sy ny finôna, ary olo maro no niampy ho an'ny Tompo.25Die nandeha agny Tarsosy i Barnabasy mba hiremby an'i Saoly. 26Laha efa hitany ijy, die nindaony tagny Antioka. Ary nandritry ny heritaogna magnijitre areo die niara-niangogna niaraka tamin'ny fengonana ary nampianatra olo maro. Ny mpianatra die nangihina vôlohany hoe kristianina tao Antioka.27Ary tamin'ijany andro ijany die nisy mpaminagny maromaro nidigna avy tagny Jerosalema nandeha agny Antioka.28 Raike tamin'dreo, i Agabo no nagnatsovana anaje, nitsangagna ary notoroin'ny Fagnahy fa hisy mosary lahibe hitranga magnerana ijao tontolo ijao. Nitranga ijany tamin'ny andron'i Klaodio.29Noho ijany, ny mpianatra, araka ny fahafahan'ny tsiraidraike avy, die nanapa-kevitra ny handefa fagnampena ho an'ny rahalahy tagny Jodia.30 Nagnano ijany areo; nandefa vola ho an'ny loholona areo tamin'ny tanagn'i Barnabasy sy Saoly.

Chapter 12

1Ary tamin'ijany andro ijany Heroda mpanjaka nanambotra ireo saragny ijay an'ny fengonana ba hahafahany hampijaly anajy ireo. 2Nivoniny tami'ny sabatra Jakoba rahalahin'i Jaona.3Ary laha efa hitany fa nahafaly ireo Jiosy ijany, die nagnano je hisamborana an'i Petera koa ijy. Ija ny die nandritry ny andron'ny mofo tsy misy masirasira. 4Laha efa avy nisamborina ijy, die nataony tagny am-ponja ijy ary nanendry miaramila efa-toko hiambigna ijy, nikasa ny hitondra anajy eo amin'ny olo afaran'ny Paska ijy.5Noho ijany die nitanana tao am-poja Petera, fa ny vavaka die nataon'ireo ijay tao am-pengonana mafy kokoa tamin'Andriamanitra hônajy. 6Ny aligna alohan'ny hitondran'i Heroda anajy hitsaraina, Petera die nandry teo agnelagnelagny ny miaramila rôlahy, vôfehy tamin'ny rojo roa, laha bola nijanogna niambigna ny fonja ny mpiandry teo alohan'ny varangaragna.7Ka, nisy anjelin'ny Tompo nitranga tampoka nandriny anajy, ary nisy hajavnana namiratra tao agnatin'ny fonja. Nagnady an'i Petera teo amin'ny ilany ijy ary namoha anajy ka nagnano hoe: ''Mitsanganà malaky'', ary ireo rojony niala tamin'ny tagnany. 8Ny anjely nijaka taminajy hoe: ''Ampekanjoy ny tegnanao, ary anôvy ny kiraronao.'' Die nambiarin'i Petera arak'ijany. Ny anjely nijaka taminajy hoe: ''Anôvy ny akanjonao ivalany ary magnaraha anahy.''9Die nagnaraka le anjely Petera ary nivôke. Tsy fantany fa je rehetra nataon'ny anjely die tena ijy. Nihevitra ijy fa nahita fahitana.10 Laha efa avy nandalo teo amin'ny mpiambigna vôlohany sy faharoa ijy ireo, die avy teo amin'ny vavahady vy ijay mitondra megnagny amin'ny tanàna; nisokatra hoajy tamin'ijy ireo ijany. Nivôka ijy ireo ary nidigna tamin'ny lalagna raike, ary le anjely nandao anajy avy hatragne.11Laha efa nipody tamin'ny tegnany Petera, nijaka ijy hoe: ''Ankehitriny die fantatro marina fa ny Tompo no nandefa ny anjeliny ary nagnafaka anahy tamin'ny tagnan'i Heroda, sy tamin'ny raha manontolo ijay nandiasan'ny Jiosy hiseho. 12Laha efa tonga saigna tamin'ijany ijy, die nenga tagny a dragnon'i Maria iendrin'i Jaona, angehina mandy koa hoe Marka, ijay nisy olo rahabe niangogna sy nivavaka.13Laha efa nandondogna teo ambavahady ijy, nisy mpanompo viave raike atao hoe Roda avy namaly. 14Laha efa fantany ny feon'i Petera, taminkafalena die tsy nahefa namoha ny varangaragna ijy; fa koja, nandeha nihajakajaka nenga tagny andrangno ijy, nitateriny fa Petera nijoro teo ambarangaragna. 15Die nijaka taminajy ijy ireo hoe: ''Môla anao.'' fa nihijingijigna ijy fa ijany no ijy. Nijaka ijy ireo hoe: ''Ny anjeliny ijany.''16Fa Petera nanohy nandondogna, ary laha efa nivohan'ijy reo ny varangaragna, die nahita anajy ijy ireo ary jendagna. 17Petera nagnetsika ny tagnany tamin'ijy ireo ba hangigna, ary nijakainy tamin'ijy ireo ny fomba nitondran'ny Tompo anajy nivôkan'ny fonja. Hoy ijy hoe: ''Tatero agny amin'i Jakoba sy ireo rahalahy ijany raha ijany. ''Die niala ijy ary nanga tagny amin'ny toeran-kafa.18Ary laha najava ny andro die tsy nisy fietangnam-po kely teo amin'ireo miaramila ny amin'ijay nitranga tamin'ny Petera. 19Laha efa avy nandremby anajy i Heroda ary tsy nahita anajy, die nagnadihady ny mpiandry ijy ary nandidy anajy ireo ba hivonina. Die nidigna avy lahatagny Jodia nenga agny Kaisara ijy ary nitoboka tagny.20Ary Heroda die vignitra mafy tamin'ny vahôkan'i Tyra sy Sidona. Niaraka nenga tagny amin'ijy ireo. Nandresy lahatra an'i Blasto ijy ireo, le mpagnampin'ny mpanjaka, ba hagnampy anajy ireo. Die nangataka fihavanana ijy ireo, satria ny tanànan'ijy ireo die mandray ny rahaninane avy lahatamin'nh mpanjakan'ny tanàna. 21Tamin'ny andro vôtondro Heroda die nampekanjo ny tegnany akanjona mpanjaka ary nitoboke teo amin'ny seja fiendriagnana; nikabary tamin'ijy ireo ijy.22Nihiekeka ny vahôka: ''Ijany die feon'Andriamanitra, fa tsy an'olo!'' 23Teo ho eo die nisy anjelin'ny Tompo namele anaje; satria tsy nagnome voninahitra an'Andriamanitra ijy; nihoanin'ny viky ijy die mate.24Fa ny jakanAndriamanitra nitombo sy niharahabe. 25Ka laha efa efan'i Barnabasy sy Saoly ny iraka nampanôvina anajy ireo, die niverigna avy tagny [Ny saragny amin'ireo dika soratra tonta mijaka hoe: ''Ijy ireo nipody tagny Jerosalema] Nerosalema ijy ireo, nitondra an'i Jaona niaraka taminaje ireo, ijay angehina mandy koa hoe Marka.
Chapter 13

1Ary tao amin'ny fegonana tao Antioka, die nisy mpaminagny sy mpampianatra rahabe tao. Ijy ireo die Barnabasy, Simona ( Jay antsoina hoe Nigera), Lisiosa avy lahatamin'ny Sirena, Manaena (le rahalahy jay niolonono tamin'ny Heroda mpanjaka), ary Saoly. 2Laha bola nidera an'ny Tompo sy nifady hanina ijy ireo, ny fagnahy masigna nijaka hoe: ''Atokagny hônahy i Barnabasy sy i Saoly, ba hagnano ny asa ijay nangihako anajy ireo.'' 3Tafaran'ny fifadien'ijy ireo hanina, sy nivavahany ary nametrahan'ijy ireo tagnana tamin'ireo lelahy ireo, ijy ireo die nalefan'ijy ireo.4Ka nankato ny fagnahy masigna i Barnabasy sy Saoly ka nenga nidigna tagny Selosia; avy tegny ijy ireo die nesambo ho agny amin'ny nosin'i Sipra. 5Laha efa tao amin'ny tanànan'ny Salamina ijy ireo, die nitory ny jakan'Andriamanitra tao amin'ny Sinagogan'ireo Jiosy ijy ireo. Ary nanagna an'i Jaona Marka koa ijy ireo ba ho mpagnampy anajy ireo.6Ary laha efa namakivaky ny nosy raika manontolo enga tagny Pafosy ijy ireo, die nahita mpagnano ody, ijay mpaminagny Jiosy sandoka, ary ny agnarany die Bara Jesôsy.7 Mpagnano ody ijay niara-niasa tamin'ireo Governera, Serjio Paolosy, ijay lelahy tena mahay. Nisamborin'io lelahy io Barnabasy sy i Saoly, satria tahaharegny ny jakan'Andriamanitra ijy. 8Fa Elimasy ''mpagnano ody'' ( ijany no nandikana ny agnarany) nanohitra anajy ireo; ary niejaka ngnodigna ny governera hiala amin'ny finôna ijy.9Fa i Saoly, ijay antsoina mandy koa hoe Paoly, die feno ny fagnahy masigna, ary nandinika anajy tsara. 10Ary nijaka hoe: ''Anao ry janaky ny devoly, anao die feno karanjam-pitaka sy faharatsena manontolo. Fahavalon'ijay rehetra marina anao. Tsy hiegnina hamily ny lala-mahitsin'ny Tompo mihitsy anao, sa ts'ijany?11Fa indro ankehitriny, ny tagnan'ny Tompo eo aminao, ka hanjary jamba anao. Ary tsy hahita ny masoandro anao. ''Teo no eo die nilatsaka tamin'i Elimasy ny fahajanvôjavôna sy fahamejignana; nanomboka nivejivejy ary nangataka tamin'olo ba hitantagna anajy amin'ny tagnana. 12Laha efa avy nahita ireo raha nitranga ny governera, die nino ijy, satria jendagna tamin'ny fampenarana makasikan'ny Tompo ijy.13Ary Paoly sy ny akamany die nenga nesambo avy agny Pafosy nenga agny amin'ny Perga agny Pafilia. Fa Jaona koja die nandao anajy ireo ary nipody tagny Jerosalema. 14Paoly sy ireo akamany die nenga avy tagny Perga ary nenga Antiokan'i Pisidia. Ary tao die nenga tagny amin'ny synagoga tamin'ny andron'ny Sabata ijy ireo ary nipetraka. 15Tafaran'ny famakena ny lalàgna sy ny mpaminagny, die nandefa hafatra tagny amin'ijy ireo ny mpitariky ny Synagoga nijaka hoe: ''Ry rahalahy, raha managna hafatra fampaherejana hôn'ny olo eto anareo, die jakay ijany.''16Ka nitsangagna Paoly ary nagnano fihetsika tamin'ny tagnany, nijaka hoe: ''Ry olon'Israely sy anareo je magnome voninahitra an'Andriamanitra, mitenoa. 17Ny Andriamanitry ny olon'Israely die nisafidy ny iabantsena ary nampitombo isa ny olo manontolo nipetraka tao amin'ny tanin'ny Egypta, ary tamin'ny fanandratana ny sandriny no nitarihany anajy ireo hivôka tao. 18Ary nandritry ny efapolo taogna teo ho eo no nandeferany anajy ireo tagny agnefitra. (Fagnamarihana: ''Ny dikanteny taloha die mivaky hôtran'ijao: ''Nandritry ny efapolo taogna eo ho eo die niahy anajy ireo tagny angnefitra ijy.'')19Ary laha efa avy nandrava tanàna fito tagny amin'ny tany Kanana ijy, die nameny an'ny vahôkantsena ny tanin'ijy ireo ba ho lova.20 Ijany raha manontolo nitranga ijany die efa tamin'ny faha dimampolo sy efa-jato taogna. Tafaran'ny ijany, Andriamanitra nagnome mpitsara anajy ireo mandra-pieven'i Samoela mpaminagny.21Die nangataka mpajanka ny olo aviteo, ary Andriamanitra nagnome anajy ireo an'i Saoly janaka lahin'i Kisa, lelahy ijay avy amin'ny fokon'i Benjamina, ba ho mpajanka mandritry ny efapolo taogna. 22Aviteo Andriamanitra nangala anajy teo amin'ny fanjakany, ka nanandratra an'i Davida ba ho mpajakan'ijy ireo. Fa ijany no nijakain'Andriamanitra mahakasika an'i Davida hoe: ''Efa nahita an'i Davida janak'i Jesea aho ba ho olon'ny foko, ijay hagnano ijay rehetra tieko hamboarine.23Fa avy amin'ny taranak'io lelahy io no hitondran'Andriamanitra mpagnavotra ho an'Israely, die i Jesosy, araka ijay efa nampagnantenainy hamboarina. 24Nanomboka niseho ijany, talohan'ny nieven'i Jesosy, Jaona nagnambara vôlohany tamin'ny vahôkan'Israely manontolo momba ny batisan'ny fibebahana. 25Satria Jaona efa nahavita ny asany, die hoy ijy: ''Ija no ieritreretanareo anahy? Tsy aho le ijy. Fa tenoy, hisy raika ho avy afarako, ary ny kiraron'ny hongony die tsy hahamendrika anahy ny hamaha anajy.26Ry rahalahy, janaka avy lahatamin'ny taranak'i Abrahama, ary ijay midera an'Andriamanitra manontolo eo aminareo, hôntsena no nandifasana ijany hafatra makasikan'ny famonjena anijany. 27Fa ireo ijay mipetraka agny Jerosalema, sy ny mpitondra an'ijy ireo, die tsy nahafantatra anajy, ka tanterak'ijy ireo ny vôlajan'ny mpaminagny ijay vakiana isan'sabata ny amin'ny fagnamelohana anajy.28Na die tsy mahita antony tsara hamonôna anajy aja ijy ireo, die nangataka tamin'i Pilaty mandy ba hamono anajy. 29Laha efa tanterak'ijy ireo ny raha manontolo ijay vôsoratra mahakasika anajy, die nampidignin'ijy ireo tegny amin'ny hajo Ijy ary nampatoreny tao am-pasagna.30Fa Andriamanitra koja nampitsangagna anajy tamin'ny maty. 31Ary hitan'ireo ijay niara-niakatra taminy avy tagny Galilia menga agny Jerosalema ijy nandritry ny andro rahabe. Ary ankehitriny die ireo olo ireo no vavolombelona hôn'ny olo.32Noho ijany ahay mijaka aminareo ny filajan-tsara ijay nampagnatenain'Andriamanitra tamin'ny iabantsena ijay efa tanteragny hôntsena, 33Janak'ijy ireo, tamin'ny nanaganany an'i Jesosy. Arak'ijay efa vôsoratra ao amin'ny salamo faharoa hoe: ''Janako anao, niany die hanjary Iabanao aho.' 34Ny antony nanaganana anajy tamin'ny maty die tsy hahasimba mandrakijay ny vatagny, Andriamanitra nijaka hôtran'ijao: 'Hameko anareo ny fitahena masigna ajo antoka nampagnatenain'i Davida.'35Ijany koa no nahatonga anajy nijaka tao amin'ny salamo hafa hoe: ''Tsy nagnavela ny fagnahy masina hahita ny lo anao.'' 36Satria laha efa nagnatanteraka ireo fagniren'Andriamanitra hôn'ny taranagne i Davida die resin-tory ijy, ka nampandreny niaraka tamin'ireo iabany ijy ary ny vatagny niharan'ny fahalavôna. 37Fa ijy jay natsangagn'Andriamanitra die tsy niharan'ny faharavana.38Ka ôka ho fantatrareo ijany, ry rahalahy, fa tamin'ny alalan'io lelahy io no nagnambarana taminareo ny famelana ny fahotana. 39Amin'ny alalany ny olo tsiraidraike ijay mino die vômarina amin'ny raha manontolo ijay mety tsy ho vômarin'io lalàn'i Mosesy io.40Ka mitandrema ba tsy hiseho aminareo je raha nijakain'ny mpaminagny hoe: 41''Indro, anareo ry mpagnano tsinotsinona, die ho jendagna ary ho levogna. Fa aho Magnano asa amin'ny andronareo, Asa ijay tsy ninônareo mihitsy, na die misy olo magnambara anajy aminareo aja.''42Laha efa nenga i Barnabasy sy Paoly, die nengavy anajy ireo ny olo ba hitoren'ijy ireo, ireo jaka ireo mandy amin'ny sabata magnaraka. 43Laha efa tapitra ny fivorena tao amin'ny Synagoga, die rahabe tamin'ireo Jiosy sy ireo proselita mahafatra-po no magnaraka an'i Paoly sy Barnabasy, ijay nijaka tamin'ijy ireo sy nampirisika anajy ba hanohy ao amin'ny fahasoavan'Andriamanitra.44Tamin'ny sabata magnaraka, die hôtran'ny tanàna raika manontolo no niaraka nivavaka ba haharegny ny jakan'ny Tompo. 45Laha efa nahita ireo vahôkan'ny Jiosy, die feno felognana ijy ireo ary nijaka nanohitra ireo raha ijay nijakan'i Paoly sy nagneso anajy.46Fa Paoly sy Barinabasy nijaka tamipahasahena ary nilaja hoe: ''Ilaina ho vôlaja aminareo meloha ny jakan'Andriamanitra. Fa laha efa manosika anijany anareo ary mihevitra ny tegnanareo ho tsy mendrika ny fiaignana mandrakijay, die ijao, hipody agny amin'ny Jentilisa ahay. 47Araka ijay efa nandidien'ny Tompo anay, magnano hoe: ''Napetrako ba ho fahajavan'ny Jentilisa anareo, ijany no tokony hitondranareo famonjena hôn'ireo ijay agny amin'ny fara-vajan-tany.''48Laha naharegny anijany ny Jentilisa, die faly sy nidera ny jakan'i Tompo. Ary rahabe ireo ijay vôtendry hômin'ny finôna ny fiaignana mandrakijay no mino. 49Ary ny jakan'ny Tompo die niparitaka eraky ny faritra manontolo.50Fa ny Jiosy koja die nampirisika ireo viavy mahafatra-po sy manan-danja, sy ireo lelahy mpitarika tao an-tanàna. Niteraka fagnijehana hôn'i Paoly sy Barnabasy ijany ary nanipy anajy ireo ho agny ivelan'ny sisin-tanin'ny tanàna. 51Fa Paoly sy Barnabasy nagnintsagna ny bontany tamin'ny hongotr'ijy ireo ba hanoherana anajy ireo. Ary aviteo ijy ireo die nandeha amin'ny tanànan'i Ikoniama. 52Ary ny mpianatra die feno hafalena sy ny Fagnahy Masigna.
Chapter 14

1Ary tamin'ijany tao Ikonioma Paoly sy Barnabasy niara-niditre tao amin'ny Synagogan'ny Jiosy ka nivoria tami-pahavitrihana ary ny vahôke rahabe Jiosy sy Grika die nino. 2Fa ny jiosy ijay tsy nankato koja die nagnakorontana ny fisainan'ny jentilisa ka nahatonga an-dreo hanohitre ireo rahalahy.3Ka nidoboke ela teo areo, nijaka am-pahasahiana niarake tamin'ny herin'ny Tompo, tamin'ny nagnomejany porofo mahakasike ny hafatre ny amin'ny fahasoavane. Ijy nanagna an'ijane tamin'ny alalan'ny famantarana sy fahagagana ijay natao tamin'ny alalan'ny tanan'i Paoly sy Barnabasy. 4Fa ny ankamaroan'ny tanàna die nijarajara: ny olo saragne niandagne niarake tamin'ireo apostoly.5Laha nagnandragna sy nandresy lahatre ny mpitarika an-dreo ny jentilisa sy ny jiosy mba hamono sy hitily vato an'i Paoly sy Barnabasy, 6die nanjary nivony areo ary nilefa malaky tao an-tanànan'ny Lykonia, Lystra sy Derbe, ary ireo tanàna magnodidina ny faritre, 7ka tagne areo no nagnambara ny filanjantsara.8Nisy lelahy raike nipetraka tao Lystra, maleme ny tongone, hatagne an-trokan'ny endrine, ijay efa tsy nandeha hatramin'ijay. 9Io lelahy io no naharegne an'i Paoly nijaka. Paoly nagnatrika an'ajy tsara teo amin'ny masone ka nahita fa managna finôna ho sitragna ijy. 10Koa nljaka tamin'aje ijy tamin'ny feo mahare hoe:' Mitsangana amin'ny tongotrao." Avy eo ilay lelahy die nitsambikimbikigna ary nandeha teo amin'ny magnodidina.11Laha nahita ijay nataon'i Paoly ireo vahôke rahabe die nanadratre ny feony areo, nijaka tamin'ny jaka Lykonia hoe:" Nijotso laha tagne an-danitre ho amintsena amin'ny endrik'olo ireo andriamanitra."12 Nagnatso an'i Barnabasy areo hoe " Jopitera", ary Paoly " Merkory", satria ijy no mpikabary.13 Ny mpisorogn'i Jopitera, ijay ny tempoly die teo ivelagn'i tanàna, die nitondra aombe sy fehiloha vy teo am-bavahade; ijy sy ny vahoke rahabe nikasa hagnome sorogna.Fa ny apostoly, Barnabasy sy Paoly, laha naharegne ijane die nandrovitre ny akanjone areo ka nadeha nalaky ho ao agnaty vahôke, nitaraigna sy nijaka hoe: Ry lelahy, nahôna anareo no magnano an ijao raha ijao? ahay mandy koa die olombelogna mitovy fahatsapana aminareo mandy. Ahay mitondra ny filanjantsara ho anareo, mba hitodihanareo hiala amin'ijao java-pôgna ijao ho agny amin'Andriamanitra velogna, ijay nagnano ny lanitre, ny tany, ary ranomasina sy ny raha abiaby ijay ao amin'aje. Tamin'ny andro taloha, Ijy die namela firenena abiaby nandeha tamin'ny lalagne manokagna aby.17Kanefa, Ijy die tsy namela ny tegnany tsy hisy vavolombelogna, tao amin'ijane die nagnano ny tsara Ijy ary nagnome anareo ranon'erike avy agne an-danitre sy vanim-potoana mahavokatre, ka hameno ny fonareo amin'ny hanina sy firavoravoana. 18Fa na die tamin'ijany jaka ijany aja, Paoly sy Barnabasy die tsy miegnina nitagna ny vahôke rahabe tsy hagnano sorogna ho an-dreo.19Fa ny Jiosy saragne avy ao Antiokia sy Ikonioma die avy ary nandresy lahatre ny vahôke. Areo nitily vato an'i Paoly sy nitarike an'aje hivôke ny tanàna, ary nieritreritre fa maty ijy. 20Ary laha mbola nitsangagna nagnodidigna an'ajy teo ireo mpianatre, die nitsangagna ijy ary niditre ny tanàna. Ny ampitso, die nandeha nenga agne Derbe niaraka tamin'ny Barnabasy ijy.21Avy eo areo nagnambara ny filanjatsara tao amin'ijany tanàna ijany ka nahajo mpianatre rahabe, niverigna tao Lystra areo, tagne Ikonioma, sy tagne Antiokoia. 22Areo die nanohe nampahere ny fagnahin'ireo mpianatre ary namporisike an'aje mba hanohy ao amin'ny finoana, no sady nilaja fa :" Tsy mentsy ao amin'ny fahoriana marobe nohidirantsena ao amin'ny fanjakan'Andriamanitra."23Laha nanendre loholona ho an'aje ireo teo amin'ny isam-piangonana areo, sy nivavake tamin'ny fifadian-kanina, die natolo-dreo ho an'ny Tompo ijane, ijay ninoan-dreo.24 Die nandalo tamin'ny Pisidia areo ka tao Panfilia. 25Laha nagnambara ny teny tao Perga areo, dia nandeha nijotso tany Atalia. 26Avy tagne areo no niantsambo nidigna ho any Antokia, ijay nahajoan-dreo ny fahasoavan'andriamanitra ho an'ny asa vitan-dreo ankehitriny.27Laha avy tao Antiokia areo ary nagnangona niaraka ny fiangonana, die nitatitra ny raha abiaby ijay vitan'Andriamanitra tamin-dreo, sy hoe ahôna no namohane ny varavaran'ny finôna ho an'ireo jentilisa. 28Die nijanogna fotôgna ela niarake tamin-ireo mpianatre areo.
Chapter 15

1Ny olo sasagny die nidigna avy tagny Jodia hatragny Antioka ary nampianatra ireo rahalahy, ka nijaka hoe: "Laha tsy vita famorana araka ny fomban'i Mosesy anareo, die tsy ho vôvonjy anareo." 2Ijany die nitondra an'i Paoly sy Barnabasy tao agnaty fifampizizôna sy ady hevitra tamin-dreo. Noho ijany i Paoly sy Barnabasy die vôtendry niaraka tamin'ny sasagny hafa tamin'ijy ireo hiakatra agny Jerosalema ba hihaogna amin'ireo apôstôly sy ireo loholona mahakasika an'ijany fagnotanena ijany.3Noho ijany areo, nalefan'ny fengonana, die namakivaky an'i Foinika sy Samaria ary nagnambara ny fiovam-pon'ireo Jentilisa. Ijy ireo die nitondra fafalena lehibe tamin'ireo rahalahy manontolo. 4Laha efa avy teo Jerosalema areo, die niresin'ny fengonana sy ireo apôstôly ary ireo loholona, ka nitatitra ireo raha manontolo ijay namboarin'Andriamanitra tamin-dreo.5Nefa ny olo sasagny ijay nino, ijay tao amin'ny tarik'ireo Fariseo, die nitsangagna sy nijaka hoe: "Ilaina ny manao famorana anajy ireo sy ny ny mibeko anajy ireo, hitandrigna ny lalàn'i Mosesy." 6Noho ijany ireo apôstôly sy ireo loholona die niaraka nivory ba handinika ijany raha-misy ijany.7Tafaran'ny ady hevitra be, nitsangagna i Petera ka nijaka taminajy ireo hoe: Ry rahalahy, fantatrareo fa efa taloha ela be Andriamanitra no efa nagnabela ny safidiny teo aminareo, ba ho amin'ny alalan'ny vavako die tokony haharegny ny tenin'ny filajantsara ireo Jentilisa, ary hino. 8Andriamanitra, ijay mahalala ny fo, vavolombelogna amin'ijy ireo, nagnome ny fagnahy Masina anajy ireo, hôtrany namboariny tamintsena; 9ary tsy nagnano fagnavakavahana tamintsena sy tamindreo Ijy, nagnadio ny fondreo tamin'ny finôna.10Ary noho ijany, nahôna anareo no mitsapa an'Andriamanitra, hoe tokony mamitahanareo joga eo amin'ny vojogn'ireo mpianatra nefa na ny rajantsena na antsena aja tsy mahavita milanja? 11Nefa mino antsena fa ho vôvonjy amin'ny alalan'ny Tompo Jesôsy, tahaka anajy ireo mandy koa."12Ny olo manontolo die nitagna ny fahanginana nandritry ny nihôgnan'ijy ireo tamin'i Barnabasy sy Paoly mitatitra ireo famantarana sy ireo fahagagana nesan'Andriamanitra ijay niasa tamin'ireo Jentilisa tamin'ny alalan'ijy ireo.13Laha efa nijanogna nivoria ijy ireo, die namaly Jakoba, nijaka hoe: "Ry rahalahy, tenoy aho, 14I Simeona die efa nagnambara ny fomba nagnampen'Andriamanitra tamim-pahasoavana vôlohany ireo Jentilisa ba hangala amin'ijy ireo olo ho an'ny agnarany.15Ireo jakan'ireo mpaminangny die mahakasika an'jany, araka ny vôsoratra hoe: 16'Afaran'ireo raha ireo die hipody aho, ary hanangagna indraika koa ny tragnolain'i Davida aho, ijay efa nidaraboka; Hagnambôtra sy hamerigna amin'ny lôniny indraike ireo faharavany aho, 17ba handremby ny Tompo ireo olo sisa tavela, ao agnatin'ijany ireo Jentilisa manonontolo ijay angihina amin'ny agnarako.' 18Ijao no nilajain'ny Tompo, ireo ijay efa nagnano an'ireo raha ireo ijay efa fantatra tamin'ireo rajambe taloha. (Fagnamarihana: Ireo dika-teny sasagny taloha die mivaky hôtran'ny jao: "Ijao no nilajain'ny Tompo, amin'ireo ijay fantatra tamin'ny andro taloha ny asany manontolo.)19Noho ijany ny hevitro die, tsy tokony hagnankorontagna ireo avy amin'ny Jentilisa ijay niherika tamin'Andriamanitra antsiena.20 Fa antsiena die hanoratra hônaje ireo fa tsy mentsy miala amin'ny fahalotôn'ireo sampy ijy ireo, amin'ny fahavetavetana, ary amin'ireo henan'ireo biby vôkenda, sy amin'ny rà ijy ireo. 21Satria Mosesy die efa vôlaja tamin'ny isan-tanàna tamin'ny andro taloha ary ijy die vakina ao amin'ireo Synagoga isaky ny Sabata."22Die hôtrany tsara tamin'ireo apôstôly sy ireo loholona, niaraka tamin'ny fengonana manontolo, ny hifidy an'i Joda ijay angihina hoe Barnabasy, sy i Silasy, ijay mpitarika ny fengonana, sy ny handefa anajy ireo agny Antokia miaraka amin'i Paoly sy Barnabasy. 23Ijy ireo die nanoratra an'itoy : "Hatragny amin'ireo apôstôly sy ireo loholona, ireo rahalahinareo, hatramin'ireo rahalahy avy agny Jentili agny Antiokia, Siria, ary Kilikia: Arahaba!24Antsena die efa naharegny fa ireo olo saragne die niala tamintsena, tsy nisy beko lahatamintsena, ary nagelingeligna anareo tamin'ireo fampenarana ijay nampikorontagna ny fagnahinareo. 25Ijao no ijy, ahay manontolo die efa nagneky ny hifidy ireo lelahy sy handefa anajy ireo agny aminareo miaraka amin'i Barnabasy sy Paoly sakejany, 26lelahy ijay nagnano ny aigny tsy ho javatra hôn'ny agnaran'i Jesôsy Kristy Tompotsena.27Noho ijany ahay die magniraka an'i Joda sy i Silasy, hilaja aminareo io raha io mandy amin'ny fijakandreo manokagna.28 Fa hôtrany tsara amin'ny fagnahy Masina sy aminay, ny tsy hampitondra anareo entagna lehibe noho ireo raha tena ilaina ireo: 29ba helanareo amin'ireo raha namboarinareo ho fagnatitra amin'ireo sampy, rà, ireo raha vôkenda, ary avy lahatam'ny fahavetavetana. Laha mitandrigna ny tegnanareo amin'ijany anareo, die ho tsara aminareo ijany. Tsaramandry."30Noho ijany ijy ireo, laha efa vôrôka, die nidigna tagny Antiokia, aviteo ijy ireo die namory ny vahôka niaraka, ary nagnome ilay taratasy ijy ireo. 31laha efa vôvakindreo ijany, die nifaly areo nohon'ny fampaherejana.32 Joda sy Silasy, mpaminagny ihiany koa, die nankahery ireo rahalahy tamin'ny jaka rahabe sy nampahery andreo.33Laha efa nijanogna fotôgna vitsivitsy tao ijy ireo, die nalefa am-pedanana avy amin'ireo rahalahy ho agny amin'ireo ijay nandefa anajy ireo ijy ireo.34[Fagnamarihana: Ny dikan-teny tsara tranainy indridra die mangala ny andigniny faha 34 (Jahay ny Asa 15:40): Nefa bola satrin'i Silasy ny hijanogna teo."] 35Fa i Paoly sy Barnabasy die nijanogna tagny Antiokia niaraka tamin'ireo maro hafa, ijay nampenarin'ijy ireo sy nagnambarandreo ny tenin'ny Tompo.36Tafaran'ny andro vitsy i Paoly die nijaka tamin'ny Barnabasy hoe: "Andao antsena hiverigna ankehitriny ary hamangy ireo rahalahy agny amin'ny tanàna manontolo ijay nagnambarantsena ny jakan'i Tompo, ary hahita hoe magnano akory ijy ireo." 37I Barnabasy die te hitondra an'i Jaona mandy koa, ijay nangihina hoe Marka hiaraka amin'ijy ireo. 38Nefa i Paoly nihevitra fa tsy tsara ny hitondrana an'i Marka, ijay nandao anajy ireo tagny Panfilia sy tsy nanohy niaraka niasa tamin'ijy ireo niasa.39Aviteo die nisy fifamalena mahare, ka nisaraka ijy ireo, ary i Barnabasy nitondra an'i Marka niaraka taminajy ary nandeha sambo nenga tagny Sipra. 40Fa i Paoly nifidy an'i Silasy ary nengà, tafaran'ny nagnomejan'ireo rahalahy anajy andrekitra hôn'ny fahasoavan'ny Tompo. 41Aviteo ijy die nenga namakivaky an'i Syria sy i Kilikia, ka nampantajaka ireo fengonana.
Chapter 16

1Avy tagny Derbe sy Lystra mandy ihany koa Paoly, ary kay, teo ilay mpianatre raike antsovana hoe Timoty, janaka lahin'ny viavy Jiosy ijay nino; Grika ny iabane.2 Ijy die tsara laja tamin'ny rahalahine ijay tagny Lystra ary Ikonioma. 3Tian'i Paoly hiara-dia aminajy ijy; die nalainy ijy ary noforaine noho ny Jiosy ijay teo amin'io toerana io, satria fantan'dreo manontolo fa Grika iabane.4Laha nandeha namakivaky ny tanàna maro areo, die nanolotra toromarika hôn'dreo mpino mba hagnaraka ny fampenarana, ijay nosoratan'ny Apostoly sy ny loholona tao Jerosalema. 5Ka niha-natanjaka tamin'ny finôna ny fengonana ary nitombo isa asan'andro.6Nandeha namakivaky ny faritry ny Frygia sy Galatia Paoly sy ny akamane, satria niraran'ny Fagnahy Masina areo hagnambara ny teny agny amin'ny faritr'i Asia.7 Laha efa niditre nagnakeky an'i Mysia, te-handeha ho agny Bitynia ijy areo, nefa nisakanan'ny Fagnahin'i Jesôsy areo.8 Ka nandalo tamin'i Mysia, die nandeha nidigna tagny amin'ny tanàna an'i Troasy areo.9Nahita fahitana i Paoly tamin'ny aligna: lelahy raike Makedoniana nitsangagna teo, nangaike anajy ary nijaka hoe: "Avia atoy Makedonia ary vonjeo ahay."10 Laha efa avy nahita ny fahita i Paoly, die niainga hahajo an'i Makedonia avy hatragny ahay, nahatsapa fa Andriamanitra no nangaike anay mba hitory ny filajantsara amin'dreo.11Nentsambo noho ijany avy agny Troasy, die nijotre mahitsy ho agny Samatrikia ahay, ary nahajo an'i Neapolia ahay ny andro magnarake.12 Avy teo die nandeha agny Filipy ahay, ijay isan'ny tanàna Makedonia, ijay tanàna manan-danja indrindra ao amin'ny faritre sy ny janan-tany Romanina, ary nijanogna tao amin'ijany tanàna ijany nandritry ny andro maro ahay.13 Tamin'ny andron'ny Sabata die nandeha tagny ivelan'ny vavahady marinin'ny renirano ahay, ijay nieritreretinay fa misy toeram-pivavahana. Nipetraka ahay ary niresaka tamin'ny viavy ijay niara-tonga teo.14Nisy Viavy raike atao hoe Lydia, mpivaro-damba volomparasy avy agny amin'ny tanànan'i Tyatira, ijay nanompo ny fony ny Tompo hitandrigna ny teny ijay nolajain'i Paoly. 15Laha efa vita batisa ijy sy ny ankohonane, die namporisike anay ijy, nijaka hoe: "Laha nitsara anahy ho mahatoky amin'ny Tompo anareo, die midira ary mipetraha ao an-dragno." Ary nandresy lahatre anay ijy.16Ary tamin'ijany, laha nandeha agny amin'ny toeram-pivavahana ahay, die nisy tohovavy raike ijay managna fagnahin'ny sikidy nifanojo taminay. Nitondra tombony be ho an'ny tompony tamin'ny alalan'ny sikidy ijy. 17Nagnaraka anay sy Paoly avy ao afara io viavy io ary nangaika mahare, nagnano hoe:"Io lelahy io die mpanompon'Andriamanitra Avo Ndrindra. Magnambara aminareo ny lalam-pamonjena areo." 18Nagnano ijay nandritry ny andro maro ijy. Fa i Paoly die nanomboke vignitre taminaje ka nitodika ary nijaka tamin'ny fagnahy hoe: "Mandidy anao amin'ny anaran'i Jesôsy Kristy iaho mba hivôka ao aminaje." Ary nivôka avy hatragny ijany.19Laha efa hitan'ilay tompony fa lasa ilay fangnatinana ny amin'ny antombony hônajy ireo, die nisamborindreo i Paoly sy Silasy ary nitarihindreo ho agny an-tsena teo agnatrehan'ireo manam-pahefana. 20Laha efa nitondra anajy ireo teo agnatrehan'ireo mpitsara ijy ireo, die nijaka hoe: "Magnakorontagna ny tananàntsena ireto lelahy ireto. Jiosy areo ito. 21Magnabambara fomba ijay tsy ara-dalàna hôn'ny Romanina ny magneky na mampihantra anijany ijy ireo."22Die nitsangagna ny vahôka nanohitre an'i Paoly sy Silasy; nangala ny lamban'dreo ny mpitsara ary nandidy andreo mba hifihine amin'ny hajo. 23Laha efa nifihin'dreo mafy areo, die nalefan'dreo agny an-dragnomejigna ary nandindy ny mpiandry tragnomejigna mba hiambigna mafy andreo. 24Laha efa nahavôray ijany didy ijany ny mpiambigna, die nalefany tagny amin'ny farany laligna indrindra amin'ny figadrana areo ary nifehejine teo amin'ny hajo ny tongotran'dreo.25Nagnodidigna ny misasak'aligna die nivavake i Paoly sy Silasy ary nihira fiderana an'Andriamanitra, ary ny gadra hafa die niheno an'dreo. 26Tampoka teo die nisy horohorontany lehibe, ka nampihojongojogna ny fototry ny fonja; ary nisokatre avy hatragne ny varavaragna manontolo, ary nivaha ny fatotrin'ny olo manontolo.27Taitre tamin'ny torimaso ny mpiandry ny tragnomejigna ary nahita ny varavaragnan'ny fonja nivoha; namôke ny sabatrane ijy ka seka hamono ny tegnane.28 Fa nangaike tamin'ny feo mahare Paoly, nagnano hoe: "Aja mandratre ny tegnanao, satria ato daholo ahay manontolo."29Nampangaika Jiro ny mpiandry tragnomejigna ary niditre malaky tao anatine, tora-kovitre noho noho ny tahotre, nihohoke teo alohan'i Paoly sy Silasy, 30ary nitondra an'dreo nivôke sy nijaka hoe: "Tompoko, ino no tsy mentsy hataoko mba ho vôvonjy?" 31Hoy areo hoe: "Minoa an'i Tompo Jesôsy, die ho vôvonjy anao, anao sy ny ankohonanao."32Nitory ny tenin'ny Tompo taminaje areo, niarake tamin'ny olo manontolo tao an-dragnone.33 Avy teo die nandray areo tamin'ny aligna tamin'igny ora igny mandy ny mpiandry fonja, ary nanasa ny ferin'dreo, ary ijy sy ny rehetre tao amin'ny tragnony raike manontolo die natao batisa teo no ho eo.34 Avy teo die nindôsiny niakatre tao an-dragnony i Paoly sy Silasy ary nandroso sakafo teo alohan'dreo ijy, die nifaly tokôtre ijy niaraka tamin'ny ijay tao an-dragnone, fa efa nino an'Andriamanitra ijy.35Ary laha efa maraigna ny andro, die nandefa teny tamin'ny mpiambigna ny mpitsara, nijaka hoe: "Abilao handeha io lelahy io." 36Nitatitra ijany teny ijany tamin'i Paoly ny mpiambigna, nijaka hoe: "Nampitondra teny taminahe ny mpitsara mba hamela anareo handeha: noho ijany ankehitriny mivoaha, ary mandihana am-piadanana."37Fa nijaka tamin'dreo Paoly hoe: "Namioke anay ampahibemaso tsy nisy fitsarana areo, na die mijàka ny zom-pirenena Romanina aja ahay_ary nalefan'dreo tao am-pigadrana. Ankehitriny die tien'dreo ho alefa an-tsokotsoko ve ahay? Tsia! Ôka ny tegnan'dreo no ho tonga eto sy hitarika anay hivôke." 38Nitatitra ijany teny ijany tamin'ny mpitsara ny mpiambigna, ary laha vô naharegne areo fa romanina i Paoly sy Silasy, die natahotra areo. 39Tonga sy nialatsigny tamin'dreo ny mpitsara ary nitondra an'dreo mba hiala ao an-tanàna.40Ka niala tao an-dragnomejigna i Paoly sy Silasy ary nandeha an-dragnon'i Lydia. Laha efa nahita ny rahalahy i Paoly sy Silasy, die nampahere an'dreo ary avy teo die niala tao an-tanàna areo.
Chapter 17

1Ary laha nandalo ireo tanànan'ny Anfipolia sy Apolonia areo, die tonga tao amin'ny tanànan'i Tesalonika areo, ijay nisy Synagogan'ny Jiosy. 2Paoly, araka ny fomba fataony die nandeha eo amin-dreo, ary niady hevitra niaraka tamin-dreo avy ao amin'ny Soratra Masina nandritra ny andro Sabata3Nosokafany ny Soratra Masina ary najavainy fa nilain'i Kristy ny nijaly sy hitsangana indraike amin'ny maty. Hoy ijy hoe:" Io Jesösy ijay atoroko anareo io no Kristy." 4Resy lahatre ny saragne tamin'ireo Jiosy ary nagnarake an'i Paoly sy Silasy, anisan'izany ireo mpivavaka Grika maro an'isa, ary tsy vitsy ny viavy mpitarike5Fa ireo Jiosy tsy mpino nenti-pialonana die nangala ireo olo ratsy fanahy avy lahatagny an-tsena, nagnangona niaraka ny vahöke, ary nampitabataba ny tanàna. Nanafika ny tragnon'i Jasona, te hitondra an'i Paoly sy Silasy hiala ny vahöke areo. 6Fa laha tsy hitany areo, die notarihin-dreo i Jasona sy ny rahalahy hafa saragne ho eo anoloan'ny manam-pahefanan'ny tanàna, nitomany, Ireto lelahy ijay nampitsimbadika ijao tontolo ijao ireto die tonga eto mandy koa. 7Ireto lelahy ijay nampandrosoan'i Jasona ireto die manohitre ny didin'i Kaisara; mijaka areo fa misy mpanjaka hafa die i Jesôsy.8Vôelingeligna ny fokon'olo sy ny manam-pahefana teo amin'ny tanàna raha naharegne jao raha jao. 9Fa raha eo ny manam-pahefana nampanao sy nampan-doa vola an'i Jasona sy ny ambiny mba ho antoke, avy en an-dreo namela an-dreo handeha an-dreo.10Nalefan'ny rahalahy tagny Beria ny aligna igny i Paoly sy Silasy. Rehefa tonga tagne an-dreo, die niditre tao amin'ny synagogan'ny Jiosy.11 Die ny olo reo die manakasine tokôtre noho ny agny Tesalonika, fa nadray ny jaka tam-pahavognonan'ny saina aby an-dreo, nandinike ny Soratra Masina isan'andro mba hahita raha tena ijay tokôtre ny raha iregny. 12Noho ijay die maro tamin-dreo no nino, tao agnatin'ijay viavy Grika manan-kaja sasane sy lelahy rahabe.13Fa ny Jiosin'ny Tesalonika rehefa naharegny fa i Paoly die nagnambara ny tenin'Andriamanitre tao Beria mandy koa, die nenga tegny an-dreo die nampitabataba sy nampikorotagna ny vahôke.14 Ary Tonga die, ny lelahy nandefa an'i Paoly ho agny an-dranomasina, fa i Silasy sy i Timoty nijanogna teo.15 Ny ijay nitarike an'i Paoly nitondra anajy lahatagny amin'ny tanànan'i Atena. Raha nagnabela an'i Paoly teo an-dreo, die nandray torolalagna laha taminajy ho an'i Silasy sy Timoty mba henga aminajy malaky farany die malaky.16Die raha nadigny an-dreo tagny Atena i Paoly, die vay tagnatine ny fagnahine rzha vô nahita ny tanàna feno sampy. 17Ka niady hevitre tao amin'ny synagoga niarake tamin'ny Jiosy sy ny hafa ijay nanompo an'Andriamanitre ijy, hôtran'ijay koa ny tao amin'ny toeran'ny raharaham-barotre niarake tamin'ireo ijay teo.18Fa ny saragne tamin-dreo filojofa Epikoreana sy Stoika mandy koa nifanapake taminajy. Ny saragne nijaka hoe: ''Ino no tian'io be voria io ho jakaina? '' Ny hafa nijaka hoe: '' Toa ohatran'ny raike jay magnasa ny olo hagnarake ireo Andriamanitre hafahafa ijy,'' satria nitory an'i Jesôsy sy ny fitsangnana amin'ny maty ijy.19Nangala an'i Paoly an-dreo die nitondra anajy tao amin'ny Areopago, nijaka hoe: ''Afake mamantatre ijany fampenarana vaovao ijay nojakainao ijao ve ahay?20 Fa mitondra raha hafahafa tsy regnin'ny tadigninay anao. Noho ijany, te hahafantatre ny dikan'ijany raha ijany ahay.''21 (Die ny Atenina raimanontolo sy ny vahiny nipetrake die nandany ny fotognane tamin'ny tsy nisy mandy koa tamin'ny filazana na fitenoana momban'ny java-baovao.)22Ka nitsanganateo agnivon'ny Areopago i Paoly die nijaka hoe: ''Anareo lehilahin'i Anteniana, hitako fa tena relijiojy amin'ny fomba manontolo anareo. 23Fa raha nandalo iaho die nandinike ny tanjognan'ny fompa fanompoam-pivavahanareo die nahitana alitara iaho misy ny soratre ty hoe: '' Ho an'Andriamanitre Tsy fantatre. ''Ino noho ijany no hivavahanareo ao amin'ny tsy fahalalana, ijay no jakaiko aminareo.24Ny Andriamanitre ijay nagnambotre ijao tontolo ijao sy ny raha-abiaby eo aminajy. Satria Tompon'ny lagnitre sy ny tany Ijy, tsy mipetrake ao agnaty tempoly voaorigna tamin'ny tanana. 25Na ijy tsy notopoina tamin'ny tanan'olo, hôtra ny nila raha ijy satria ijy tokôtre no magnome fiaignana ny olo sy ny fofon'aigna die ny raha hafa abiaby.26Laha tamin'olo raike no nagnanôvana ny firenena abiaby ho an'ny olo mba hiagna eo ambonin'ny tany namiratre ny vanim-potôgna an-dreo sy nanendry ny toera-ponegnana die ny andro iaignan'ireo,27 Ka mba tokone handrembe an'Andriamanitre an-dreo, laha hôtra ka mety hatratre sy hahita Anajy an-dreo. Fany mbola tsy lavitre antsena tsirairay aby ijy.28Satria antsena die mivelogna sy mihetsike die managna ny maha-ijy antsena, hotra ny nijakain'ny raike amin'ny mpanao tonokalonareo manokana hoe: ''Fa taranagny mandy koa antsena.'' 29Noho ijay, satria janak'Andriamanitre antsena, antsena die tsy tokone hieritreritre fa ny hatsaran'ny fombane die mitovy amin'ny volamena, na volafotsy, na sary vongana ijay niforognina laha tamin'ny asa tanagna sy aingam-panah'olombelona.30Noho ijay die nadinoi''Andriamanitre ny fotoan'ny tsy fahalalana, fa amijao mandidy ny olo abiaby egny abiaby egny mba hibebake ijy.31 Ijany no ijy satria nametra andro ijy hoe amin'ny vena no hitsara an'ijao tontolo ijao amin'ny fahamarinana amin'ny alalan'olo ijay nifidine. Nagnome porofon'io lelahy io tamin'ny olo tsiraidraike tamin'ny alalan'ny fananganana anajy tamin'ny maty Andriamanitra .32Die raha naheregny ny fitsanganana amin'ny maty ny olon'i Atena, die nagnaraby an'i Paoly ny sasane; fa ny sasane nijaka hoe: '' Hiteno anao indraike momba ijany raha ijany ahay.'' 33Tafaran'ijay nandao an-dreo i Paoly. 34Fa sasane tamin'ny olo nagnarake anajy ary nino, tao agnatin'ijay i Dionysio Aeropagita, viavy angihina hoe Damary, die ny sasane niarake tamin-dreo.
Chapter 18

1Ary tao afaran'ireo raha ireo Paoly die nienga tao Atena ary negnagne Korinto.2 Nifankatojo tamina Jiosy angihina hoe Akoila tao ijy, jana-tany Ponto, ijay vô tonga avy tagne Italia niaraka tamin'i Prisila vadine, satria i Klaodio nandidy ny Jiosy abiaby hienga tao Roma. Paoly negneo amin-dreo,3 ary satria varotra mitovy mandy no hesane, die niara-nitoboke tamin-dreo ijy ary niasa, fa ny mambôtre lay no asan-dreo.4Ka niady hevitre tao amin'ny Synagoga isaky ny Sabata i Paoly. Nandresy lahatre ireo Jiosy sy Grika ijy. 5Fa laha nidigna avy hatagne Makedonia i Silasy sy Timoty, die nitiren'ny Fagnahy hagnatoro amin'ireo Jiosy fa Jesôsy no Kristy i Paoly. 6Laha nanohitre sy nagnesoeso an'aje ireo Jiosy, die nagnelakelake ny lambane tagne amin-dreo i Paoly ka nijaka hoe: "Ho eo amin'ny lohanareo anie ny rànareo; tsy manan-tsigny iaho. Fa manomboke ijao die ho agne amin'ny Jentilisa iaho."7Die nienga teo ijy avy teo ary nandeha negnagne an-dragnon'i Titosy josto, lelahy ijay nanompo an'Andriamanitra. Ny tragnone die akekin'ny synagoga.8 Krispo, miparitake ny synagoga, nino ny Tompo, niarake tamin'ireo abiaby ijay nitoboke tao amin'ny tragnone; ary maro tamin'ireo Korintiana ijay naharegny mahakasika ijane no nino sy natao batisa.9Ny Tompo nijaka tamin'i Paoly tamin'ny fahitana ny aligna hoe: "Aja matahotra, ary aja mangigna fa mijakà.10 Fa iaho momba anao, ary tsy hisy olo hahajo hagnano ratsy anao, fa managna olo rahabe amin'itiky tanàna itiky Iaho." 11Nonigna tao herintaogna sy enim-bolagna i Paoly ary nampianatra ny tenin'Andriamanitra teo amin-dreo.12Fa laha nanjary governoran'ny Akaia i Galio, die niara-nitsangagna ireo Jiosy hanohitra an'i Paoly ka nitondra an'aje teo agnatrehan'ny toeram-pitsarana;13 nijaka areo hoe: "Io lelahy io die mandresy lahatra ny fokon'olo mba hanompo an'Andriamanitra ijay mifanohitra amin'ny lalàna."14Ary laha vô hijaka Paoly, die nijaka tamin'ny Jiosy i Galio hoe: "Anareo Jiosy, laha ohatra ka resaka raha-ratsy na heloke ijany, die mbôla ajo eritreretina ny fifampiraharahana aminareo." 15Fa hatramin'ijay nisian'ireo fagnontaniena mahakasika ireo teny sy agnarana ary lalàna manokagna ireo, alaminonareo ijane. Iaho tsy magniry ny ho mpitsara ijane raharaha ijane."16Galio nangala an-dreo hienga teo amin'ny sejam-pitsarana. 17Ka nanambotra an'i Sostena ijy abiaby, ny mpanapaka ny synagoga, ary namioka an'aje teo alohan'ny toeram-pitsarana. Fa Galio tsy niraharaha ijay namboarin-dreo.18Paoly, laha avy nitoboke tao nandritry ny andro maromaro loholoho, die nagnavela ireo rahalahy ka niondragna an-sambo ho agny Syria niaraka tamin'i Prisila sy Akolia. Talohakan'ny niengane teo amin'ny seranan-sambo die niborine tao Kenkrea ny volone noho ilay fanta ijay namboarine.19 Laha avy tagny Efesôsy areo, die navelan'i Paoly teo i Prisila sy Akoila, fa ijy tegnane niditra tao amin'ny synagoga ka niady hevitre tamin'ireo Jiosy.20Laha nengavy an'i Paoly mba hijanogna elaela areo, die nandà ijy. 21Fa nandao an-dreo ijy, nijaka hoe: "Mbôla hipody atiky iaho laha sitrapon'Andriamanitra ijane." Die niondragna an-sambo nienga tao Efesosy ijy avy teo.22Laha tody tao Kaisaria i Paoly, die niakatra ijy ka niarahaba ny fengonan'ny Jerosalema ary nidigna negnagne Antioky avy teo. 23Laha avy nonigna ora maromaro tao ijy, die nienga i Paoly ka nitety ireo faritr'i Galatia sy Frygia ary nampahery ny mpianatra abiaby.24Ary nisy Jiosy anankiray nangihina hoe Apolosy, teraka tagny Aleksandria, avy tao Efesosy. Ijy die nahay niresake sady nahalala tsara ny Soratra Masina. 25Apolosy die nampenarina tamin'ny fampenaran'ny Tompo. Mahafatra-po amin'ny fagnahy, ijy nijaka sy nampianatra marina ireo raha mahakasika an'i Jesôsy, kanefa ny batisan'i Jaona mandy no fantane. 26Apolosy nanomboke nijaka am-pahasahiana tao amin'ny synagoga. Fa laha naharegny an'ajy i Prisila sy Akoila, die nangala an'aje ho egny amin'ny sisine ary nagnajava tamin'aje marina loholoho ny lalan'Andriamanitra.27Laha nagniry mba hamakivaky an'i Akaia ijy, die nampahery an'ajy ireo rahalahy ary nanoratra hôn'ireo mpianatra tao Akaia mba handray an'aje. Laha avy ijy, die nagnampy betsake ireo ijay nino tamin'ny fahasoavana.28 Apolosy nanohitra mahare ireo Jiosy tamin'ny ady hevitre sambe maso, nampiseho tamin'ny alalan'ny Soratra Masina fa Jesôsy no Kristy.
Chapter 19

1Die raha bola tagny Korinty i Apolosy, die nandalo tamin'ny firenena ambony i paoly die avy tao amin'ny tanànan'ny Efesosy, ary nahita mpianatra saragny tao. 2Hoy Paoly tamindreo hoe: "Nahajo ny Fanahy Masina ve anareo laha nino?" Hoy areo taminajy hoe: "Tsia, bola tsy maharegne momba ny Fanahy Masina akory ahay.3Paoly nijaka hoe: Tao amin'ino ary ijany no nanôvana batisa anareo? "Namaly areo hoe: "Tao amin'ny batisan'ny Jaona. " 4Ka namaly paoly hoe: "Jaona manao batisa amin'ny batisan'ny fibebahana. Nijaka tamin'ny vahôka ijy fa tokony hino ny raike ijay avy afarane areo, ijay die, ao amin'ny Jesôsy.5Laha naharegny ijany ny olo, die natao batisa tamin'ny agnaran'ny Tompo Jesôsy areo. 6Avy teo laha nametrake ny tanagne tamin'dreo i paoly, die nilatsaka tamin'dreo ny Fanahy Masina ary nijaka tamin'ny fijakana hafa sy naminany areo. 7Teo amin'ny roa ambin'ny folo teo ho eo ijy manontolo.8Niditre tao amin'ny sinagoga i paoly ary nijaka am-pahasahiana nandritra ny telo volagna, nandresy lahatre sy nampangaike an'dreo ny momban'ny fanjakan'Andriamanitra. 9Fa laha mafy fo sy tsy mankato ny Jiosy saragne, die nanomboke nijaka ratsy ny lalana teo alohan'ny vahôka areo. Ka nilôjan'i paoly areo die nandaone ny mpianatre, nandresy lahatra andreo isan'andro tao amin'ny efitragno fampenaran'ny Tiraniana. 10Nitohy nandritra ny roa taogna ijany, ka ijay nipetrake tao Asia die naharegny ny jakan'ny Tompo, ary ny Jiosy sy ny Grika.11Andriamanitra nagnano asa mahajendagna tamin'ny alalan'ny tagnan'ny paoly, 12Ka na die ny mosoara sy ny aron'akanjo ijay ijay mikasika anajy aja die natao tamin'ny marary ka nahafake ny aretin'dreo die nivôka avy tao amin'dreo ny fagnahy ratsy.13Fa nisy Jiosy mpangala fagnahy ratsy nandeha tegny an-toerana. Nangaike ny agnaran'ny Tompo Jesôsy areo mba hanagnan'dreo hery hanoherana ny fagnahy ratsy laha nijaka areo hoe: "Amin'ny alalan'ny Jesôsy ijay nambaran'ny paoly, mandidy anao iaho mba hivôka." 14Ny mpisoronabe Jiosy mitondra ny agnarany hoe Skeva, ary nanagnanahe fito lahy no nagnano ijane.15Nisy faganahy ratsy namaly an'dreo hoe: " Fantatro Jesôsy, die fantatro paoly; fa ija anareo?" 16Ny faganahy ratsy tao amin'ny lelahy die netsambotre tamin'ny mpangala devoly, ary nilefa tao amin'ny tragno, niboridagna sy naratre. 17Lasa fantatry ny aby daholo ijany, sy ny Jiosy sy ny Jentilisa, ijay nitoboka tagny Efesosy. Lasa nangoaigna mafy areo, ka ny agnaran'ny tompo Jesôsy die nomem-boninahitre.18Ary koa, maro tamin'ny mpino no nagnatogna sy nibebaka ary nagneke ny raha ratsy ijay vitan'dreo. 19Maro ny nilalao ody na niara-nitondra ny bokin'dreo sy nagnoro ijany teo amason'ny tsiraidraike. Laha nagnisa ny tombam-bidin'io areo, die farantsa volafotsy dimy aligna ijany. 20Ka niboely fatratre tamin'ny fomba matanjake ny jakan'ny Tompo.21Die laha nahefa ny asa fanompôna tagny efesosy i paoly, die nanapa-kevitra tamin'ny fagnahy ijy mba handalo an'ny Makadonia sy Akai tegny an-dalagna mandeha agny Jerosalema, hoy ijy: "Laha avy agny iaho, die tsy mentsy mandeha agny Roma mandy koa." 22Paoly nandefa roa tamin'ny mpagnampy anaje ho agny Mekodonia, i Timoty sy Erasto, ijay nagnampy anaje. Fa ijy tegnany mijanogna fotôgna fohike tagny Asia.23Tamin'ijany fotôgna ijany tagny Efesiosy die nisy fagnelengelegnana lehibe mikasika ny lalàna. 24Fa nisy mpanefy volafotsy raika atao hoe Demetrio, ijay nagnano sary sikotry ny Diana, nampiditra vola be hôn'ireo mpagnano asa tagnana. 25Ka navoriny niaraka ireo lelahy mendrekitra an'io asa io ary nijaka hoe: ''Tompoko, fantatrao fa amin'itoy raharaha toy die mahajo vola je ahay.26Hitanao sy regninao ijany, tsy tagny Efesiosy mandy, fa saika nagneragna an'i Asia raika manontolo, io Paoly io die nandresy lahatra sy nahataogna olo rahabe. Milaja ijy fa tsy misy Andriamanitra vita tamin'ny tagnana. 27Fa ny loja die tsy hoe ny varotra antsena mandy no tsy hilaina koa, fa ny tempolin'andriamanim-bavy lehibe Diana hiany koa die ajo heverina ho tsy misy antony. Die mety ho very voninahitra ijy aviteo, ijy ijay tompon'ny Asia manontolo sy ijao tontolo ijao.''28Laha efa naharegny anijany ijy ireo, die feno fahavignirana ijy ireo ka nihiekeke maharé, nagnano hoe: ''Lehibe i Diana an'i Efesiosy.'' 29Feno fifanjevôna tao amin'ny tanàna raika manontolo, ary niaraka nifagnaretsaka ho ao amin'ny tragno fanôvana fqmpisehôna antsehatra ny vahôka. Vôsambotr'ijy ireo ny mpiara-dia tamin'ny Paoly, Gaio sy Aristarko, ijay avy agny Makedonia.30Te hiditra tao amin'ireo vahôka rahabe i Paoly, fa niraran'ireo mpianatra ijy. 31Ary hiany koa, ny saragny tamin'ireo manampahefana tamin'ny faritr'i Asia ijay akamany die nandefa hafatra nangataka anajy mafy tsy hiditra ao amin'ny tragno fagnanôvana fampisehôna ansehatra. 32Olo sasasasagny no nihiekeke raha raika, ary ny an'ny saragny hafa, satria tao agnaty fifanjevôna ny vahôka. Ny ankabeajan'ijy ireo aja tsy mahalala mihitsy hoe nahôna ijy ireo no niaraka avy.33Ny saragny tamin'ireo vahôka no nampahafantatra an'i Aleksandra, ijay natosik'ireo vahôka ho egny aloha, ka nagnano fihetsika tamin'ny tany i Aleksandra, te-hagnome fagnajavana hôn'ireo ijay nivory. 34Fa laha efa nahalala ijy ireo fa Jiosy ijy, die nihiekeka tamin'ny feo maharé ijy manotolo teo ho eo amin'ny adiny roa, nagnano hoe: ''Lehibe ny Artemisin'ny Efesiana.''35Laha efa nampangigna an'ny vahôka ny lehiben'ny tanàna, die nijaka ijy hoe: ''Anao olon'ny Efesiosy, olo ija no teo ka tsy nahafantatra fa ny tanànan'ny Efesiana die mpiambigna ny tempolin'ny Diana angejabe sy ny sary ijay nilatsaka lahatagny andagnitra?36 Ary hita aviteo fa tsy ajo lavina ireo raha ireo, die tokony hangigna anareo ka tsy hagnano na ino na ino tsy amimpiheverana. 37Fa nindôsinareo etoy amin'ny fitsarana ireo lelahy ijay sady tsy mpandroba tempoly no tsy mpijaka ratsy ny andriamanim-bavintsena.38Noho ijany laha managna fempangana manohitra ny tsiraidraike i Demetrio sy ireo mpagnano asa tagnana ijay miaraka aminajy, die misokatra ireo fitsarana ary misy solotegna ao. Abilay ijy ireo hifampitory. 39Fa laha mandremby raha hafa makasika ny olo hafa anareo, die tokony hatsangagna amin'ny fivorena ara-dalàna ijany. 40Fa indrindra antsena die tandindognindoja ho vôpanga mikasika an'io andron'ny tabataba io. Tsy misy antony ijany fikorontagnana ijany, ary tsy afaka hagnajava an'ijany antsena.'' 41Laha efa avy nijaka anijany ijy die naravagny ny fivorena.

Chapter 20

1Laha efa tapitra ny tabataba, namory ny mpianatra i Paoly ary nampahery an'dreo avy teo, nagnano veloma ijy ary lasa mba handeha ho agny Makedonia.2 Laha efa nandeha tagny amin'ny faritra io sy nagnano jaka fankaherejana maro andreo, die tonga tagny Gresia ijy. 3Laha efa avy nijanogna telo volagna tao ijy, nisy teti-dratsy noforognin'ny Jiosy hanoherana anajy laha ijy handeha hiantsambo ho agny Syria agny, ka nanapa-kevitra ny hiverigna ho agny Makedonia ijy.4Nagnaraka anajy hatragny Asia lavitra agny i Sopatera janaka lahin'i Pyro avy agny Beria; Aristarko sy Sekondo, samy avy amin'ny mpino Tesalonika; Gayo avy agny Derbe; Tymoty, ary Tykiko sy Trifimo avy agny Asia.5 Fa ny lelahy io efa neloha anay ary niandry anay tagny Troasy.6 Niondragna an-tsambo niala tao Filipy ahay tafaran'ny andro fihinana mofo tsy masigna, ary tagnatin'ny dimy andro die tonga tagny amin'dreo tagny Troasy ahay. Ary nipetraka tao ahay nandritra ny fito andro.7Tamin'ny andro vôlohan'ny herignandro, laha efa nivory niaraka mba hanapaka ny mofo ahay, die nivoria tamin'ny mpino i Paoly. Ijy die nikasa handeha ny ampitson'igny, ka tsy nanohy niresaka hatramin'ny sasakaligna ijy.8 Nisy jiro maro tao amin'ny efitra ambony ijay nahatongavanay niaraka.9Teo amin'ny varavarankely no nipetraka itoy tovolahy angihina hoe Eotika, ijay tafalatsaka tao agnaty torimaso laligna. Laha niresaka naharitra kokoa i Paoly, io tovolahy io, die bola nandre, tafalatsaka avy egny amin'ny rihagna fahatelo ary ary laha narenina ijy die hita fa mate.10 Fa i Paoly nidigna, naninjitra ny tegnany taminajy, ary namihigna anajy. Avy teo ijy nijaka hoe: "Aja malahelo koa, fa velogna ijy."11Die niakatra ndraika ijy avy teo ary nanapaka ny mofo sy nihinagna. Laha efa avy niresaka ela tamin-dreo hatramin'ny mangiran-dratsy ijy, die nadeha. 12Nitondra ny tovolahy efa velogna nipody areo ary tena faly die faly.13Antsena mihintsy no nandeha neloihan'i Paoly tamin'ny sambo ary netsambo ho agny Aso, fa agny no kasainay handresana an'i Paoly. Ijany no faniriane ijy tegnany ho atao, satria nagniry handeha an-tanety ijy.14 Laha efa nihaogna taminay tagny Aso ijy, die nindaonay tamin'ny sambo ijy ka nadeha agny Mitylena.15Avy teo netsambo avy teo ahay ary tonga tao amin'ny tandrifin'ny nosin'i Kio ny ampitso. Ny andro magnaraka die nijanogna tao amin'ny nosin'ny Samo ahay, ary ny ampitson'igny die tonga tao amin'ny tanànan'i Mileto. 16Fa Paoly nanapa-kevitra ny hetsambo handalo an'i Efesosy, mba tsy handany fotôgna maharitre agny Asia ijy; satria ijy die maika ny ho agny Jerosalema ny andron'ny Pentekosta, laha ajony atao ny magnano ijany.17Avy agny Mileto no nandefasany lelahy ho Efesosy ary nampangaike ny loholon'ny fengonana handeha amin'ajy eo.18 Laha efa tonga tao amin'dreo, die nijaka tamin'dreo hoe: "Anareo tena anareo mahalala, hatramin'ny andro vôlohany nagnitsahako an'i Asia, hoe hôtran'iaja ny nandaneko ny fotôgnako niaraka taminareo.19 Iaho die nanompo fehijay ny Tompo tamn'ny fagnetre-tegna manontolo sy ranomaso, ary tao agnaty fijaliana no nitranga taminahy ijany nohon'ny teti-dratsin'ireo Jiosy.20 Anareo die nahafantatra fa tsy nitajogna fahanginana tamin'ny fagnambarana taminareo ny manotolo ijay nialaina iaho, sy ny fomba nampenarako anareo teo amason'olo ary tamin'ny isan-tragno,21 nijorôko vavolombelogna teo amin'ny Jiosy sy ny Jentilisa momba ny fibebahana amin'Andriamanitra sy ny finôna ao amin'ny Jesôsy Tompontsena.22Indro ankehitriny, ho agny Jerosalema iaho, niteren'ny Fanahy Madsina ka tsy nahalala ijay hahajo anahy agny,23 hafa-tsy ijay hampitandreman'ny Fanahy Masina anahy isaky ny tanàn-dehibe amin'ny fanoratana sy fijalena ijay miandry anahy.24 Fa iaho die tsy mihevitra ny tegnako ny fiaignako hoe sarobidy amin'ny tegnako, laha tsy hoe hahavita ny hajakajako sy ny asa fanompôko ijay niresiko avy amin'Jesôsy Tompo iaho, hagnambara ny filajantsaran'ny fahasoavan'Andriamanitra.25Ary indro ankehitriny, fantatro fa anareo manontolo, ijay nagnambarako ny fanjakana, no tsy hahita ny tarehiko koa. 26Noho ijany ambarako aminareo amin'itoy andro itoy, fa iaho die tsy manan-tsigny amin'ny ràn'ny olo.27 Fa tsy nasitriko taminareo ny fagnambarana ny sitrapon'Andriamanitra aby daholo.28Noho ijany tandremo ny momban'ny tegnanareo, sy ny momban'ny ondry manontolo ijay nampiandraketan'ny Fanahy Masina anareo. Mitandrema amin'ny mpiandry ondrin'ny fengonan'Andriamanitra, ijay novidine tamin'ny ràny manokagna. (Fagnamarihana: laha hôtra ka "Tamin'ny ràny manokagna" ny amin'ny antonta-taratasy taloha die mivaky hoe: "Tamin'ny ràn'ny janaka lahiny manokagna.") 29Fantatro fa afaran'ny fandehanako, die ho avy eo aminareo ny amboadia maseke ary hiantra an'ny ondry.30 Fantatro fa na die avy aminareo aja die hisy olo ho avy ary hagnova ny marina mba hitarika ny mpianatra hagnaraka andreo.31Ka membena. Tadidio fa nandritry ny telo taogna aho no tsy nijanogna nampianatra ny kiraidraike avy aminareo andro aman'aligna tamin'ny ranomaso. 32Ankehitriny ankiniko qmin'Andremantra sy amin'ny jakan'ny fahasoavany anareo, ijay afaka manangangna sy magnome anareo ny lova eo amin'ireo manontolo ijay nohamasignina.33Tsy nitsiriritra volafotsy, volamena na lamban'olo aho. 34Anareo tegnanareo no mahafinaritra fa ito tanana ito no nagnome je nilaiko ary ireo nilain'ireo je niaraka taminahe. 35Tamin'ny raha rehetra no nagnomejako ohatra anareo ny fomba tokony hagnampenareo ireo malemy amin'ny alalan'ny asa, ary ny fomba hitadidienareo ny jakan'ny Tompo Jesôsy, jaka jay nambaran'ijy tegnany hoe: ''Mahatretrika kokoa ny magnome nohon'ny mandray.''36Laha efa avy nijaka hôtran'ijany ijy, die nandohalika ary nivavaka niaraka tamin'ijy manontolo. 37Nisy fitomagnena be teo ary namihigna an'i Paoly sy nagnoroka anajy ijy ireo. 38Nalahelo ny ankabeajan'ijy ireo noho ijay nijakainy hoe: Ijy ireo die tsy nahita ny vatagny koa. Aviteo nagnatitra anajy tegny amin'ny sambo ijy ireo.
Chapter 21

1Laha efa niala tamin'ijy ireo ahay die nesambo, ary nijotra lala-mahitsy nenga agny amin'ny tanàn'i Kosy, nenga agny amin'ny tanànan'i Rody ny andro magnarake, ary avy tao die tagny amin'ny tanànan'i Patara. 2Laha efa nahita sambo nempita nenga agny Foinika ahay, die niditra tao ahay ka nesambo .3Laha efa avy nahita an'i Kyprosy, die 'nagnavela anijany tegny ampitan'ny sambo, nesambo ho agny Syria ahay ary niantsogna tao Tyro, toerana ijay namoahan'ireo tasambo ny entagna tao agnaty sambo. 4Laha vantany nahita an'ireo mpianatra ahay, die nijanogna tagny nandritry ny fito andro. Tamin'ny alalan'ny fagnahy die nandresy lahatra an'i Paoly hatragny ijy ireo ba tsy handeha ho agny Jerosalema.5Laha efa tapitra ny andronay tegny, die niala tao ahay ka nenga tami'ny lalagnay, ary ijy manontolo, niaraka tamin'ireo vady amanjanagny , nagnaraka nivôka tamin'ny tanàna . Ary nandohalika tegny amoron-dranomasina die nivavaka 6ary nifagnano veloma. Die niditra tao an-sambo ahay, ary ijy ireo nipody tagny andragnony.7Laha efa efanay ny dia tagny Tyro, die avy tagny Ptolemaisy ahay. Tagny die nihaogna tamin'ireo rahalahy ary nijanogna ndraik'andro niaraka tamin'ijy ireo. 8Ny ampitsonigne die nenga atao ahay ary nenga tagny Sezarea. Niditra ny tragnon'i Filipo ahay, evanjelisitra, ijay raika tamin'ireo fito, ary nijanogna niaraka taminajy ahay. 9Ankehitriny io lelahy io die nanan-janaka viavy virijiny efatra ijay naminagny.10Laha efa nijanogna tao nandritry ny andro maromaro ahay, die nisy mpaminagny raike nidigna avy tagny Jodia natao hoe Agabo. 11Nagnatogna anay ary nangala ny fehikibon'i Paoly ijy. Taminigny no namihejany ny hongony sy ny tagnany ary nijaka hoe: ''Hoy ny fagnahy masigna, 'Die ho hôtran'ny jao no hamihejan'ireo Jiosy an'i Jerosalema ny lelahy ijay tompon'itoy fehikibo itoy, ary hanolotra an'ajy eo antagnan'ny Jentilisa.'''12Laha efa naharegny ijany raha ijany ahay, die ahay sy ireo olo monogna tao amin'io toerana io die nengavy tamin'ny Paoly tsy hiakatra ho agny jerosalema. 13Ary namaly i Paoly nagnano hoe: Ino no amboarinareo, mitomagny sy mandratra ny foko? Aho efa vognona, tsy hoe hifihejina mandy hiany, fa ho maty agny Jerosalema mandy koa amin'ny agnaran'ny Tompo Jesosy.'' 14Satria tsy nagniry ny ho resendahatra i Paoly, die nijanogna nagnandragna ahay ary nijaka hoe: ''Ôka ho tanterake ny sitrapon'ny tompo.''15Tafaran'ireo andro ireo, die nitondra ny kitaponay ahay ka niakatra nenga agny Jerosalema. 16Die nisy ireo mpianatra saragny mandy koa avy agny Sezarea nagnaraka anay. Nitondra lelahy raika niaraka taminajy ijy ireo ijay nangihina hoe Menasona, lelahy avy agny Sipra, mpianatra menty molale, ijay tokony herahanay mitoetre.17Laha efa avy tagny Jerosalema ahay, die nandray anay ampifalena ireo rahalahy.18 Ny ampitso die nagnaraka an'i Paoly ho agny amin'i Jakoba, ary teo dahôlo ireo loholona abiaby. 19Laha efa avy nerahaba anajy ireo ijy, die nitatitra tsiraidraike ireo raha manontolo ijay efa namboarin'Andriamanitra tamin'ireo Jentilisa tamin'ny alalan'ny asa fanompône.20Laha efa naharegny anijany ijy ireo, die nidera an'Andriamanitra, ary nijaka taminajy hoe: ''Hitanao, ry rahalahy, agnarivony firy no nino tamin'ireo Jiosy. Tapa-kevitra ijy manontolo hitandrigna ny lalàna. 21Efa nilajain'ijy ireo ny mahakasika anao, fa anao die mampianatra an'ireo Jiosy manontolo ijay mipetraka eo amin'ireo Jentilisa hahafoy an'i Mosesy, ary anao milaja anajy ireo tsy hamora ny janagny, ary tsy hagnaraka ny fomba taloha.22Ino no tokony hataontsena? Ho regnin'ijy ireo tokôtra fa avy anao. 23Ka atôvy je lajainay anao. Managna lelahy efatra ahay nagnano voady ahay. 24Indôsy ireo lelahy ireo ary diovy miaraka amindreo ny tegnanareo, ary aloavy ireo fandanen'ijy ireo ba hanaratra ny lohany ijy ireo. Ka ho fantatry ny olo manontolo fa ireo raha ireo nijakainy mahakasika anareo die diso. Ho fantatr'ijy ireo fa anao die magnara-dalàna hiany koa.25Fa mahakasika an'ireo Jentilisa ijay nino, ahay die nanoratra sy nagnome torolalagna fa tokony hitandrigna ny tegnany amin'ny raha vita sorogna hôn'ny sampy ijy ireo, avy amin'ny rà, avy amin'ijay nikendaina, sy avy amin'ny fijangajagana. 26Aviteo die nalain'i Paoly ireo lelahy , ary ny ampitso, ijy nagnadio ny vatagny niaraka tamin'ijy ireo, niditra tao an-tempoly , nagnambara ny vanim-potôgnan'ny andron'ny fagnadiovana, mandra-pagnatitra ny fagnatitra hôn'ny olo tsiraidraike tamin'ijy ireo.27Laha efa ho tapitra ireo andro fito, ireo Jiosy sasasasagny avy agny Asia, nahita an'i Paoly tao an-tempoly, nampikorontagna ireo vahôke manontolo, ary nanambotra anaje. 28Nitabataba ijy ireo hoe: ''Ry olon'Israely, ampio ahay''. Io le lelahy ijay nampianatra ny olon-drehetra hatraja hatraja ireo raha ijay manohitra ny olo, ny lalàna, ary itoy toerana toy.Fagnampin'ijany, nitondra Grika tao an-tempoly mandy koa ijy ary nandoto an'toy toerana Masigna toy. 29Fa ijy ireo taloha nahita an'i Trofima ijay Efesianina niaraka taminajy tao an-tanàna, ary nieritreritra ijy ireo fa i Paoly no nitondra anajy tao am-tepoly.30Nifagnaritaka ny tanàna manontolo, ary niaraka nihajakajaka sy nanambotra an'i Paoly ny olo. Nisintogna anajy hivôka ao amin'ny tempoly ijy ireo, die nakatogna teo no ho eo ny varangaragna. 31Laha teo ampamonôna anajy ijy ireo, die nisy vôvao avy lahatagny amin'ny kapitenin'ny mpiambigna fa mikorontagna aby Jerosalema manontolo.32Avy hatragny die nangala miaramila sy kapiteny ijy ary nihajakajaka nidigna nenga agny ami'ireo vahôke. Laha efa nahita an'ireo kapiteny sy ny miaramila ny vahôke, die nijanogna namioke an'i Paoly ijy ireo. 33Die nagnantogna le kapiteny ary nanambotra an'i Paoly, ary nampamihejiny tamin'ny rojo vy roa ijy. Die nagnotany ijy hoe ija ijy ary ino ny namboariny.34Ny saragny tamin'ireo vahôka nitabataba raha raike ary ireo hafa raha hafa. Satria tsy afaka nijaka na ino na ino ny kapiteny nohon'ny tabataba manontolo, die nampitondrainy hindao agny amin'ny rova i Paoly. 35Laha efa avy teo amin'ny tohatra ijy, die nindan'ireo miaramila ijy nohon'ny herisetran'ny vahôka. 36Fa nagnaraka avy tao afara ny vahôka be ary nihiekeke hoe: ''Vonio ijy''37Laha igny hindao tao an-drova igny i Paoly, die hoy ijy tamin'ny kapiteny: ''Afaka mijaka raha aminao ve aho?'' Hoy le kapiteny hoe: ''Miteny Grika ve anao? 38Tsy anao ve le Egyptiana, ijay nitarika fikomena tagny aloha ary nitarika ireo efatra arivo lahy an'ny mpamono olo nivôka avy tagny agnefitra?''39I Paoly die nijaka hoe: ''Aho die Jiosy, avy agny amin'ny tanànan'i Tarsosy agny Kiliaka. Aho die olom-pirenen'ny tanàna manan-danja. Mangataka aminao aho, abilay aho hijaka amin'ny olo.'' Laha efa nagnavela anajy hijaka le kapiteny, die nitsangagna teo amin'ny tohatra i Paoly ary nagnano fihetsika tamin'ny tagnany tamin'ny vahôka. 40Laha efa nisy fahanginana laligna, die niresaka tamin'ijy ireo tamin'ny fijakany Hebreo ijy. Hoy injy:
Chapter 22

1Ry rahalahy sy ry aba,Tenoy ny fiarovako ijay hamboariko aminareo niany." 2laha naharegne an'i Paoly nijaka tamin'ny jaka Hebreo ireo vahôke, die lasa nangigna areo. Hoy ijy hoe:3Jiosy iaho, terake tagne Tarsosy agny Kilkia, fa notejaina teto amin'toy tanàna itoy teo amin'ny tongotr'i Gamaliela. Nampianarina araka ny fomba hentitra ny lalàn'ireo rajantsena aho . Tena mafana fo amin'Andriamanitra aho, hôtran'areo abiaby amin'ijao andro ijao. 4Nagnenjika io Làlana io ho amin'ny fahafatesana iaho, namatotra sy nanolotra an-dreo ho atao an-dragnomejigna na lahe na vave, ary ny mpisorona be sy ireo loholona abiaby afake mijoro vavolombelogna. Nahajo taratasy avy agny amin-dreo aho ho an'ireo rahalahe agne Damaskosy,5 ary nandeha nenga agny nitondran-dreo niverigna mbola mifatotre ho agne Jerosalema mba hanasajiana an-dreo.6Ijao no nibôke laha nandeha ary niha narivo an'i Damaskosy iaho, ary tamin'ny mitatao vovognana teo ho eo die nisy hajavana lehibe avy agny an-danitre nanomboke namiratre nagnodidigna an'ahe.7 Lavo tamin'ny tany aho ary naharegne feo nijaka tamin'ahe hoe: 'Saoly, Saoly, nahôna anao no magnejika an'Ahe? 8Namale iaho hoe: Ija moa anao, Tompoko? Nijaka tamin'ahe Ijy hoe: ' Iaho no Jesôsin'ny Nazareta, ijay anjehinao.9Areo ijay niaraka tamin'ahe die nahita ny hajavana, fa areo die tsy nahafantatre ilay feony ijay nijaka tamin'Ahe. 10Hoy iaho hoe:" Ino no tokony hamboariko, Tompoko?' Ny tompo nijaka tamin'ahe hoe:" Mitsangàna ary midira any Damaskosy; agny no hagnambarana anao ny raha abiaby ijay tokone hamboarinao.' 11Tsy nahita nohon'ny famirapiratan'ijany fahajavana ijany iaho, ary notantanan'ireo ijay niaraka tamin'ahe, ka die avy tagny Damaskosy aho.12Nihaogna tamin'ny lelahy raike nangehana hoe Ananiasy tagny iaho, lelahy matahotra an'Andriamanitra nagnaraka ny lalàna ary tsara laja teo amin'ireo Jiosy abiaby ijay nonigna tao.13 Nagnatogna an'ahe Ijy, niitsangagna teo agnilako, ary nijaka hoe: 'Ry rahalahy Saoly, mahirata.' Tamin'ijay lera ijany indrindra die nahita an'Ajy aho.14Ary nijaka ijy hoe:' Ny Andriamanitr'ireo rajantsena die nifidy anao mba hahalala ny sitrapone, mba hahita ny Raike Marina haharagne ny feo aloaky ny vavane. 15Fa ho vavolombelogna ho an'Aje amin'ny olo abiaby momba ijay hitanao sy regninao anao. 16Ary magnino anao no mandigny? Mitsangàna, ôka ho atao batisa, ary diovy ireo fahotanao, mangeha amin'ny agnarane."17Laha avy niverigna tagny Jerosalema iaho, ary laha mbola nivavaka tao an-tempoly, die nahajo tsindrimandry iaho. 18Nahita an'Ajy aho nijaka tamin'Ahe hoe:' Malakisa mialà an'i Jerosalema malaky, satria areo tsy hagneke ny fijoroanao vavolombelogna momba an'Ahe19Hoy iaho:' Tompo, areo tokôtre die mahafantatre fa iaho nagnagadra sy nandamoke ireo ijay nino Anao tao amin'ny synagoga abiaby. 20Laha nalatsake ny ran'i Stefana vavolombelognao, iaho koa die mba nitsangagna narivo teo, ary niambigna ny akanjon'ireo ijay namono iaho.' 21Fa nijaka tamin'ahe Ijy hoe:' Mandehana satria halefako lavitre an'ireo Jentilisa anao.'22Niteno an'ajy areo mandra-pijakany an'ijane. Die nihiaka mahare areo nijaka hoe:" Vonoy hiala eto amin'ny tany ny lelahy hôtran'io, satria tsy mendrike ny ho velogna ijy." 23Laha nitabatata areo, nanipy ny akanjone, ary nanipy vovoka tamin'ny rivotre,24 ny lehiben'ny kapiteny die nandidy an'i Paoly mba handôsina agny amin'ny lapa. Ijy nandidy fa tokony hagnotaniana miaraka amin'ny kapoke ijy, ka mba ijy tegnany die hahalala hoe nahôna areo no nihiakiake nanohitre an'aje hôtran'ijane.25Laha namatotre an'aje tamin'ny tady hoditre areo, die hoy Paoly tamin'ilay kapiteny ijay nitsangana teo:" Ara-dalàna ho anareo ve ny manakaravasy lelahy ijay Romana sy tsy mbola notsaraina akory? 26Laha naharegne an'ijane ilay kapiteny, die nandeha agny amin'ny lehiben'ny kapiteny ijy ka nilaja tamin'aje, nijaka hoe:" ino ijao ataonao ijao? Fa mponin'ny Romana io lelahy io."Nagnatogna ilay lehiben'ny kapiteny ary nijaka tamin'aje hoe: ''Jakay amin'ahe, mponina Romana ve ianao?" Paoly namale hoe:" Eka.'' Ary namale ilay lehiben'ny kapiteny hoe:" Tamin'ny vola be fotsiny no ajahoako io zom-pirenena io. Fa Paoly nijaka hoe:" Nateraka ho mponin'ny Romana iaho." Ary nandao an'aje teo no ho eo ilay lelahy ijay nagnotane an'aje. Natahotre mandy koa ilay lehiben'ny kapiteny, laha fantane fa mponigna Romana i Paoly, satria ijy namatotre an'aje.30Ny ampitso, te hafantatre ny marina momba ireo fagnedrikendrehana ireo Jiosy nanohitre an'i Paoly ny lehiben'ny kapiteny. ka novahany ireo fatotre ary nibeko ireo mpisorona be sy ireo filan-kevitre abiaby mba hivory ijy. Ary nitondra an'i Paoly nijotso ijy ary nampidoboke an'aje teo am-povoan-dreo.
Chapter 23

1I Petera die nijaha nivantagna tagny amin'ireo mpikambagna tao amin'ny filan-kevitra ary nijaka hoe: "Ry rahalahy, iaho die efa niaigna teo agnatrehan'Andriamanitra tamin'ny fieritreretana tsara manontolo hatramin'ijao." 2Ny mpisorom-be Agnasiasy die nibeko ireo ijay nitsangagna nariny anajy ba hamilejana ny vavany. 3Aviteo i Paoly nijaka anjy hoe: "Andriamanitra die hamioka anao, anao ry rindringna vôlalotra fotsy. Anao vé die mitoboka hitsara anahy amin'ny lalàna, nefa mandidy anahy ba hifihina, tsy araka ny lalàna?4Ireo ijay nitsangagna teo die nijaka hoe: "Ijao ve ny fomba hagnatevatevanareo ny mpisorom-ben'Andriamanitra?" 5I Paoly nijaka hoe: "Tsy nahafantatra aho, ry rahalahy, hoe ijy ilay lehiben'ny mpisorom-be. Fa efa vôsoratra hoe: tsy tokony hijaka ratsy ny mpitondra ny vahôkanao anao."6Laha efa hitan'ny Paoly fa ny sasagny tamin'ny filan-kevitra die Sadoseo ary ny hafa Fariseo, die nijaka mahare tamin'ny filan-kevitra ijy hoe: "Ry rahalahy, Iaho die Fariseo, janaka lahin'ireo Fariseo. Ijany no ijy satria aho die magnantegna tsara ny fitsanganan'ny maty ijay hitsarana anahy." 7Laha efa nijaka an'ijany ijy, die nanomboka nisy fifampizizôna teo amin'ireo Fariseo sy ireo Sadoseo, ary ny vahôka die nijara. 8Fa ireo Sadoseo die nijaka fa tsy misy ny fitsanganana amin'ny maty, tsy misy ireo anjely, ary tsy misy ireo fagnahy, nefa ireo Fariseo die nagneky an'ijy manontolo ireo.9Noho ijany die nisy fitabatabana mahare niseho, ary ny saragny tamin'ireo mpanora-dalànan'ireo Fariseo die nitsangagna ary niady hevitra, nijaka hoe: "Ahay die tsy mahita raha diso amin'io lelahy io. Ahôna laha ny fagnahy na ny anjely no nijaka taminy?" 10Laha nisy fifampizizôna mahare teo, ny kapiteny mpitarika die natahotra sao die hifandrotehandreo i Paoly, noho ijany ijy die nibeko ireo miaramila ba hidigna sy hangala anajy an-keriny agny amin'ireo mpikambagna ao amin'ny filan-kevitra, ary hitondra anajy an-dapa.11Ny aligna magnaraka ny Tompo die nijoro teo agnilany ary nijaka hoe: "Aja matahotra fa hôtran'ny nijorônao vavolombelogna mahakasika Anahy tagny Jerosalema, no tsy mentsy hijorônao vavolombelogna agny Roma mandy koa."12Laha efa mandraigna ny andro, ny Jiosy sasagny die namorogna tetika ary nagnojogna ny tegnan'ijy ireo miaraka amin'ny fiaignana ba tsy hihinagna na hinogna na ino na ino mandram-pamonôndreo an'i Paoly. 13Mihôtra ny efapolo olo ijy ireo ijay namorogna io tetika io.14Ijy ireo die nandeha tagny amin'ireo mpisorom-be sy ireo loholona ka nijaka hoe: "Ahay die efa nanao fagnomejana lehibe tamin'ny tegnanay, ba tsy nihinagna na ino na ino mandram-pamonônay an'i Paoly. 15Ankehitriny, noho ijany, abilay ny filan-kevitra hijaka amin'ny kapiteny mpitarika ba hitondra anajy hidigna eto aminareo, ary anareo hôtran'ny hoe hanampak'evitra amin'ny raha misy mahakasika anajy marina kokoa. Fa hônay, ahay die vognona ny hamono anajy alohan'ny fieveny eto."16Nefa ny janaka lahin'anabavin'ny Paoly die naharegny fa teo ampendrasana ny ahonôna anajy ijy ireo, noho ijany ijy die nenga ary niditra ny lapa ka nijaka tamin'i Paoly. 17I Paoly die nangaika ny raika tamin'ireo kapiteny ka nijaka hoe: "Indôsy agny amin'ny Kapiteny mpitarika itoy tovolahy itoy, fa managna raha jakaina aminajy ijy."18Noho ijany ilay kapiteny die nandray ilay tovolahy ary nitondra anajy tagny amin'ny kapiteny mpitarika ka nijaka hoe: "I Paoly ilay gadra no nangaika anahy ho agny aminajy, ary nengavy anahy ba nitondra an'itoy tovolahy itoy ho eto aminao. Managna raha hijakaina aminao ijy." 19Ny kapiteny mpitarika die nangala anajy tamin'ny tagnana hoagny amin'ny toerana mitokagna ary nagnotany anajy hoe: "Ino ijany tokony hijakainao aminahy ijany?"20Ilay tovolahy nijaka hoe: "Ireo Jiosy die efa nagneky ny hangataka aminao ba hitondra an'i Paoly hidigna agny amin'ny filan-kevitra rahampitso, hôtran'ny hoe ijy ireo die handeha hagnotany ny mahakasika ajy marina bebekokoa. 21Nefa aja magneky andreo ireo, satria nisy olo mihôtra ny efapolo ijay efa vognona ny hagnome anajy. Nangaika ojogna hôn'ny tegnandreo areo ireoba tsy hihinana na hinogna mandram-pamonôndreo anajy. Fa na die ijany aja die efa vognona areo, mandigny fagnekena lahataminao."22Ka nabelan'ilay kapiteny mpifehy henga ilay tovolahy, tafaran'ny nagnatorôny anajy hoe: "Aja mijaka na amin'ija na amin'ija hoe nijaka an'ireo raha ireo taminahy anao." 23Aviteo ijy die nangaika ho eo aminajy ny roe tamin'ireo kapiteny ka nijaka hoe: "Alay ny miaramila rôjanto ijay vognona ny handeha agny Kaisaria, sy mpideba sôvaly fitopolo ihiany koa, ary mpitondra lefogna rôjanto. Henga anao amin'ny ora fahatelon'ny aligna."24 Ijy mandy koa die nandidy anajy ireo ba hagnome biby ijay afaka hideban'i Paoly, ary ba hitondra anajy sô-matsara agny amin'ny Feliksa ilay governora.25Aviteo die nanoratra taratasy hôtran'ijao ijy: 26"Klaodio Lisia hôn'i Feliksa governora tsara indrindra, arahaba. 27Io lelahy io die niisamborin'ireo Jiosy ary saika nivonindreo, laha efa avy teo amin'ijy ireo niaraka tamin'ireo miaramila aho die nagnavotra anajy, satria nahalala aho fa ijy die olom-pirenena Romana.28Iaho die te hahafantatra ny dikany nitôrenareo anajy, noho ijany die nindako nidigna tao amin'ny filankevitra andreo ijy. 29Nahalala aho fa vôtory tamin'ny ady hevitra mikasika ny lalàn'ijy ireo manokagna ijy, nafa tsy nisy fitorena nanohitra anajy ijay mendrika ho fahafatesana na fagnagadrana.30 Aviteo die nampahafatarina anahy fa nisy tetika hanoherana ilay lelahy, noho ijany die nandefa anajy teo noho eo tagny aminao aho, ary nagnafatra ireo mpiambibigna anajy ihiany koa ba hitondra ny fagnamelohanandreo anajy eo agnatrehanao velogna."31Ka noho ijany ireo miaramila die magnaraka ireo bekondreo. Nalaindreo i Poly ary nindao tamin'ny aligna tagny Antipatria.32 Ny ampitso, ny akabejan'ireo miaramila die nandao ireo mpideba sôvaly ba handeha hiaraka aminajy fa ijy ireo die nipody tagny andapa.33 Laha efa avy tagny Kaisaria ireo mpideba sôvaly ka nognome ny taratasy hôn'ny governora, die nanolotra an'i Paoly taminajy ihiany koa.34Laha efa namaky ny taratasy ny governora, die nagnotany ny faritany ijay neven'i Paoly ijy. Raha efa fantany fa avy lahatagny Kilikia ijy,35 die nijaka hoe: "Iaho die haharegny tanteraka anao laha efa avy eto ny mpitory anao" die nampitajominy tao ao amin'ireo foiben'ny fanjakan'i Heroda ijy.
Chapter 24

1Tafaran'ny dimy andro, Ananiasy ilay mpisorogna be, ireo loholo sasagne, ary mpikabary angihana hoe Tertylo dia nenga tagne. Ireo lelahy ireo die nitondra fiampangana an'i Paoly teo agnivon'ny governora. 2Laha efa nitsangagna teo alohan'ny governora i Paoly, die nanomboka niampanga an'aje i Tertylo ka nijaka tamin'ny governora hoe: " Nahon'enao die managna fedanana lehibe ahay, ary ny fahitanao die mitondra fagnovana tsara eo amin'ny firenenay; 3ka am-pankasitrahana tanteraka no handresana ny raha rehetra ijay atanao, ry Feliksa tsara indrindra.4Ba tsy hitanako anareo ela lôtre, die mangataka fotôgna fohika aminareo aho ba hiteno an'ahe am-pitonena. 5Fa io lelahy io die hitanay fa mpagnakorontagna ary raike jay nitarika ny Jiosy rehetra maneragna ijao tontolo ijao hikome. Ijy no mpitarika ny sekta Nazareana.6Ary ijy mandy koa no niejaka ny handoto ny tempoly, ka die nosamborinay ijy. (Fagnamarihana: Ireo antonta-taratasy taloha die nagnampy hoe: "Tienay ho tsaraina araka ny lalànay ijy.")7(Fagnamarihana: Ireo antontan-taratasy taloha die ahitana ao amin'ny andininy faha 7 hoe: "Fa Lysia, mpiandrekitre, avy ary nangala an'ajy an-keriny teo an-tagnanay.") 8Laha efa magnotany an'i Paoly mikasika an'io raha rehetra io anao, die ho fantatrao ny mikasika an'io fiampangana namboarinay momba an'ajy io." (Fagnamarihana: Ireo antontan-taratasy taloha die nagnampy ao amin'ny tapagny vôlohany amin'ny andininy faha 8 hoe: "Nandefa anay teo aminao.") 9Ireo Jiosy mandy koa die nagnampy trotrka ireny fiampangana ireny, ary nagnamafy fa marina daholo ireny.10Fa laha efa notondroin'ny mpanapaka hijaka i Paoly, die namaly Paoly hoe: "Fantatro fa anao die efa mpitsara teto amin'itoy firenena toy nandritry ny taogna maro, ka die faly ny tegnako magnajava aminao. 11Ho fantatrao fa tsy ny tegnako magnajava aminao. Ho fantatrao fa tsy bola nihôtra ny roa ambin'ny folo andro ijay no niakarako nidera tagny Jerosalema. 12Laha efa hitan-dreo tao an-tempoly aho, die tsy niady hevitra na tamin'ija na tamin'ija aho, ary tsy namporisika ny vahôka, na tao amin'ireo Synagoga, na tao an-tanàna. 13Tsy afaka magnaporofo aminao ireo fiampangana ijay atany amin'ahe amin'ijao areo.14Saingy aho magneky ijao aminao, araka ny Fampenarana ijay antsoin-dreo hoe sekta, die toy ijany koa no hanompôko ny Andriamanitry ny rajambetsena. Aho die matoky amin'ny rehetra ijay ao amin'ny lalàna sy ireo vôsoratr'ireo mpaminagny. 15Managna ny fahatokisana an'Andriamanitra hôtran'ireo olo ireo aho, fa hisy ny fitsanganan'ny marina sy ny ratsy fagnahy amin'ny maty. 16Noho ijany aho madio eo agnatrehan'Andriamanitra sy ny olombelogna17Ary tafaran'ny taogna maro die avy aho hitondra fagnampena hôn'ny fireneko sy fagnomejana ara-bola. 18Laha efa vitako ijane, nisy Jiosy vitsivitsy avy agny Asia nahita an'ahy tagny amin'ny fetin'ny fagnadiovana tao amin'ny tempoly, tsy niaraka tamin'ny vahôke nandregnina. 19Ireo olo ireo die tokony ho eo agnatrehanareo amin'ijao ka hijaka ijay hiampangan-dreo an'ahe, raha managna raha areo20Na koa, ireo olo ireo mandy no tsy tokony hijaka ijay titan-dreo tsy mety atoy amin'ahe laha efa nitsangagna teo alohan'ny filan-kevitry ny Jiosy aho, 21laha tsy hoe momba ny raha raika ijay nekeko laha efa nijoro tagnivon-dreo aho: 'Ijany die mikasika ny fitsanganan'ny maty ijay hitsarana an'ahe eto agnatrehanareo niany.'22Ary Feliksa, ijay nampahafantarina tsara momba ilay Fampenarana. Ijy die nijaka hoe: "Laha efa midigna avy agny Jerosalema i Lysia mpadidy, die hanapa-kevitra ny amin'ny raharahanao aho." 23Avy teo ijy nandidy ilay kapiteny fa i Paoly die tokony hambenana, fa ba hisy fahafahana die tsy hisy amin'ireo akamany ho sakagna amin'ny fagnampena ijay raha ilaine.24Andro vitsivitsy tafaran'ijay, die nipody niarake tamin'i Drosila vadin'i Feliksa, ijay viavy Jiosy, ka nalefa ho an'i Paoly areo naharegne tamin'aje momba ny finôna ao amin'i Kristy Jesôsy. 25Fa laha efa niady hevitra niaraka tamin'i Paoly momba ny fahamarinana, fihonognan-tegna, sy ny fitsarana ho avy, die lasa raiki-tahotra i Feliksa ka nijaka hoe: "Mandihana manomboka ijao. Fa laha efa managna fahafahana aho afara ao, die handeha hônao."26Nandritr'ijany fotôgna ijany mandy, die nagnantegna ijy fa hagnome vola an'aje i Paoly, noho ijany die nandefa an'aje matetika ijy ary nivoria tamin'aje. 27Fa laha efa afaka roa taogna, die lasa governora nqndimby an'i Feliksa i Porsio Festosy, nefa Feliksa te hahajo sitraka tamin'ireo Jiosy, die navelany ho hambenana mandy i Paoly.
Chapter 25

1Amijao, Festony niditre tao amin'ny faritany, die telo andro tatoy afara, die niakatre laha tao Kaisaria ijy henga agny Jerosalema. 2Ny lohan'ny mpisorogna sy ny Jiosy mana-kaja die nitondra fagnamelohana hempangana an'i Paoly, ka nandrisike anajy 3sy nangatake taminajy an-dreo mba hampidi-doja an'i Paoly ka metiny hampangzike an'i Paoly ho agny Jerosalema Festosy mba hafahan-dreo mamono anajy egny an-dalagna.4Fany Festosy namaly fa gadra ao Kaisaria Paoly, die ijy tegnane die hipody agny tsy ho ela.5 ''Noho ijany, ireo ijay afake,'' hoy ijy: ''die tokone henga miarake aminay ho agny. Raha nagnano raha tsy nety die tsy ny lelahy, die tokone hempangana anajy anareo.6Festosy die tsy nidorogna nihôtre ny valo na folo andro die avy teo nidigna nenga agny Kaisaria, die ny andro magnarake die nipetrake teo amin'ny pilasin'ny fitsarana ijy die nandidy an'i Paoly mba hindôsina agny aminaje.7 Raha tonga ijy, die nitoboke teo mariny teo ny Jiosy laha tagny Jerosalema, die nitondra fempangana gagana be raha ijy ireo tsy afake naporoifoin-dreo.8 Niaro-tegna i Paoly die nijaka hoe: ''Tsy nagnano raha ratsy manohitre ny lalanan'ny Jiosy iaho na manohitre ny tempoly an'i Kaisaria.''9Fany nandrembe ijay ahajahôna ny fankasitrzhan'ny Jiosy i Festosy, die noho ijany die namaly an'i Paoly ijy ka nijaka hoe: ''Te-hiakatre ho agny Jerosalema ve anao die ho tsaraiko momba ny raha iregny tagny iregny? 10Hoy Paoly hoe: '' Mitsangana eto anatrehan'ny seza fitsaran'i Kaisara iaho ijay tsy mentsy hitsarana anahy. Tsy nagnano ratsy ny Jiosy iaho, arake ny efa fantatrao tsara.11Fany raha nagnano ratsy iaho die raha nagnano ijay mendrika ny fahafatesana, die tsy mandà ny ho faty. Fa laha tsy misy ny fempangan-dreo die tsy misy olo afake mitondra anahy ho agny amin-dreo. Mangatake an'i Kaisara iaho.'' 12Raha avy nivoria tamin'ny filan-kevitre Festosy, die namaly ijy hoe: ''Nangatake an'i Kaisara anao. Agny amin'i Kaisara no handihananao.13Die tafaran'ny andro vitsivitsy die tonga tagny amin'ny Kaisaria i Agripa mpanjaka sy Berenika mba hamangy an'i Festosy.14 Tafaran'ny naha tzo anajy nandritre ny andro misimisy, die nomen'i Festosy teo amin'ny mpanjaka ny raharahan'i Paoly, nijaka ijy hoe: ''Nisy lehilahy raile nabelan'i Felix aty hôtrz ny gadra.15 Raha tagny Jerosalema iaho die nitondra fempangana ty lehilahy toy taty aminahy ny lohan'ny mpisorogna sy ny lohan'ny Jiosy, die nangatake jaka fagnadisona ho anajy an-dreo. 16Namaly an-dreo iaho fa tsy fomban'ny Romana ny manolotre olo melohan'ny hetrehany ny mpempanga ajy sy hagnanany fahafahana hiaro-tegna amin'ny fempanganan.17Noho ijany raha niara-tonga teto an-dreo, die tsy nandigny iaho, fa ny andro magnarake die nipetrake teo amin'ny sezan'ny fitsarana iaho die nibeko ny ampidirana ny lehilahy. 18Raha nitsangana ny mpempanga ka nagnadiso anajy, die niheviriko fa tsy nisy goavana ny fampengana nentin-dreo ho anajy. 19Fa koja, nifamaly an-dreo makasike ny fivavahin-dreo manokana sy momba ijany Jesôsy ijay maty ijany, ijay jakain'i Paoly fa velogna. 20Tsy ajoko antoke ny fomba hagnadihadiana hôtra ny tranga toy die noho ijany die nadigniko ijy raha vognona ny ho agny Jerosalema mba ho tsaraina agny momba ny fempangana io.21Fa raha nangatake ny hijanogna ao am-pigadrana mba handigny ny fanapahan-kevitry ny Amperora i Paoly, mandram-pandefasako anajy agny amin'i Kaisara.''22 Agripa nivoria tamin'i Festosy hoe: ''Te-haregny ty lelahy toy mandy koa iaho.'' ''Rahampitso,'' hoy Festosy: '' Haharegny anajy anao.23Ka ny andro magnarake, die tonga niarake tamin'ny lagnonana rahabe Agripa sy Berinika; nenga amin'ny agnefi-tragno lehibe niarake tamin'ny maramila mpifehy sy ny lelahy manan-kaja teo amin'ny tanàna an-dreo. Raha nijaka ny didy Festosy die nindaon-dreo Paoly. 24Hoy Festosy hoe: ''Agripa mpanjaka sy anareo lelahy abiaby ijay miarake aminay eto, hitanareo ty lelahy toy; ny vahôkan'ny Jiosy abiaby nifagnarake taminahy tagny Jerosalema sy eto mandy koa, die nitaraigna taminahy an-dreo fa tsy tokone ho velogna koa ijy.25Fantatro fa tsy nagnano ino na ino tokony hafatesana ijy, fa satria na'gatake ny Amperora ijy, die nanapa-kevitre iaho ny handefa anajy. 26Fany tsy misy raha manam-batrake ho soratako agny amin'ny Amperora. Noho ijany antony ijany, die nindôsiko teo amianareo ijy, indrindra aminao, Agripa Mpanjaka, mba afahako managna raha ho soratana bebe kokoa momba ny raharaha. 27Satria hôtra'ny tsy mety aminahy ny mandefa gadra sy mijaka ijay hempangana anjy koa.
Chapter 26

1Noho ijane Agripa nijaka tamin'i Paoly hoe: "Afaka mijaka hôn'ny tegnanao anao." Die nagnampatre ny tegnane Paoly ary nagnano ny ferovan-tegnane. 2"Magnaseho ny tegnako hôtran'ny faly iaho, ry Agripa mpanjaka, mba hitondra ny raha mahajo an'ahe eto alohakanao niany manohitra ireo fempangan'ireo Jiosy abiaby;3 indrindra, satria anao efa matihanina amin'ny fomba amam-panao sy fagnontanien'ny Jiosy abiaby. Noho ijane die mengavy anao iaho mba hiheno an'ahe am-paharetana.4Marina fa, ireo Jiosy abiaby die mahafantatra ny fomba fiegnako hatramin'ny fahatanorako tagny amin'ny fireneko manokagna sy tao Jerosalema. 5Areo die nahafantatra an'ahe hatagne am-bôlohane ary tokone hagneke areo fa Fariseo fiaigna iaho, ny sarotine indrindra amin'ny antokon'ny fivavahantsena.6Ary mitsangagna eto iaho mba ho tsaraina satria mandremby ny fampagnantenana ijay nataon'Andriamanitra tamin'ireo rajagnantsena iaho. 7Fa itiky ny fampagnantenana nandrasan'ny fokontsena rômbifolo hiresina laha nanompo an'Andriamanitra andro aman'aligna tokôtre areo. Hôn'ijane fagnantenana ijane, no hempangan'ireo Jiosy an'ahe. 8Nagnino anareo no mihevitre fa tsy ajo inôna fa manangagna ny maty Andriamanitra?9Nisy fotôgna iaho nihevitre tamin'ny tegnako fa tokone hagnano raha rahabe manohitra ny agnaran'i Jesôsy avy agny Najareta iaho. 10Nagnano ijane tagne Jerosalema iaho. Nagnidy rahabe tamin'ireo mpino tagne an-dragno kely tamin'ny fahefana niresiko avy tamin'ireo lohan'ny mpisorona iaho, ary laha vôvono areo, die nagnatrotraka ny vatoko hanohitre an-dreo iaho. 11Nisajiko imbetsake areo tagne amin'ireo synagoga abiaby ary niejaka ny hanery an-dreo mba hijaka ratsy iaho. Vignitra mahare tamin-dreo iaho ary nagnenjika an-dreo na die tagne amin'ireo tanàna agne ambadika aja.12Laha mbôla nagnano ijane iaho, die nienga tagne Damaskosy niaraka tamin'ny fahefana sy ireo didy avy amin'ireo lohan'ny mpisorona; 13ary tegne an-dàlagna negnagne, tamin'ny rômbifolo atoandro, ry Mpanjaka, die nahita hajavàna avy tegne an-dagnitra iaho ijay mamiratre loholohon'ny masoandro ary ijane die namiratre nagnodidigna an'ahe sy ireo lelahy ijay niara-dia tamin'ahe. 14Laha lavo tamin'ny tany ahay abiaby, die naharegny feo nivoria tamin'ahe iaho ijay nijaka tamin'ny jaka Hebreo hoe: "Saoly,Saoly, nagnino anao no magnenjika an'Ahe? Sarotra hônao ny handaka fagnindroane."15Avy teo nijaka iaho hoe: "Ija anao, Tompo ve? NY Tompo namaly heo: "Iaho no Jesôsy ijay injehinao.16 Ankehitriny mitsangàna amin'ny hongotrao; satria noho ijao antony ijao no nivoahako taminao, mba hanondro anao ho mpanompo sy ho vavolombelogna mahakasika ireo raha ijay fantatrao mahakasika an'Ahe ankehitriny ary ireo raha ijay hatoroko anao ao afara kely; 17ary hagnavotra anao ao amin'ny fokon'olo sy ireo Jentilisa ijay hagnirahako anao iaho,18 mba hagnasokatre ny mason-dreo ary hampitodika an-dreo hienga amin'ny hejigna hegnagne amin'ny fahajavàna ary amin'ny herin'ny Satana hegnagne amin'Andriamanitra, mba hahafahan-dreo mandray avy amin'Andriamanitra ny famelan-keloky ny fahotana sy ny lova ijay omeko an-dreo ijay nohamasinina tamin'ny finôna an'Ahe."19Noho ijane, ry Agripa mpanjaka, nagneke ny fahitàna avy tagne an-dagnitra iaho; 20fa, ny an'ireo ijay tagne Damaskosy alohake, ary avy teo tagne Jerosalema, ary nagneragna ny tanin'ny Jodia abiaby, ary koa tamin'ireo Jentilisa, nagnome an-dreo ny hafatra iaho fa tokone hibebaka sy hitodike amin'Andriamanitra areo, hagnano ny asa mendrika ny fibebahana. 21Noho ijane antone ijane no nanamboran'ireo Jiosy an'ahe tao am-pengonana sy niejaka hamono an'ahe.22Nagnampy an'ahe hatramin'ijao Andriamanitra, noho ijane die mitsangagna iaho ary mijoro vavolombelogna amin'ny olo-tsotre sy amin'ireo manan-kaja tsy hivoria n'ino n'ino mihôtra ijay nivorianin'ireo mpaminany sy Mosesy fa hiseho;23 fa tsy mentsy hijaly Kristy, ary Ijy no ho vôlohane hitsangagna sy hagnatoro fahajavàna hôn'ireo fokon'olo Jiosy sy ireo Jentilisa.''24Laha vitan'i Paoly ny ferovan-tegnane, die nijaka tamin'ny feo mahare Festosy hoe: "Paoly, very saigna anao; ny fenarana be lôtre no nahatonga anao ho very saigna."25 Fa hoy Paoly hoe: "Tsy very saigna iaho, ry Festosy tsara indrindra; fa amin'ny fahasahiana iaho nijaka tamin'ny fahamarignana sy fahamatorana.26 Fa ny mpanjaka mahafantatra mahakasika ijane raha ijane; ary noho ijane, mijaka an-kalalahana amin'ajy iaho, fa resy lahatra fa tsy nisy tamin'ijane nasitrika tamin'aje; satria tsy namboarina tagne amin'ny takogna ijane.27Mino ny mpaminany ve anao, ry Agripa mpanjaka? Fantatro fa mino anao." 28Agripa nijaka tamin'i Paoly hoe: "Ao agnatin'ny fotôgna fohike ve no handresenao lahatre an'ahe sy hagnovanao an'ahe ho kristiana?" 29Hoy Paoly hoe: "Mivavaka amin'Andriamanitra iaho, mba na ho ao agnatin'ny fotôgna fohike na fotôgna lava, tsy anao mandy, fa ireo abiaby ijay maharegny an'ahe niany mandy koa, die ho hôtran'ahe, fa tsy miaraka amin'iregny rojo iregne."30Avy teo nitsangagna ny mpanjaka, sy ny governora, sy Berenika mandy koa, ary ijay nitoboke niaraka tamin-dreo; 31laha nivôka ny tragno fivoriana areo, die nifampivoria ary nijaka hoe: "Itiky lelahy itiky tsy magnano raha mendrika ny fahafatesana na famehejana."32 Hoy Agripa tamin'i Festosy hoe: "Itiky lelahy itiky die afaka nalefa laha tsy nangihina tagne amin'i Kaisara ijy."
Chapter 27

1Laha efa tapaka fa tokony hesambo ho agny Italia ahay, die najanogn'ijy ireo i Paoly sy ireo gadra hafa ho eo ambany fiahen'i kapiteny raika atao hoe Jolio ijay an'ny rezimantan'ny Amperora. 2Niditra tagnaty sambo raika avy agny Adramytena ahay, ijay hiondragna magnaraka ny sisi-tanin'ny Asia. Ka die nandeha andranomasina ahay. Aristarko avy agny Tesalonika agny Makedonia die nandeha niaraka taminay.3Ny andro magnaraka die avy tao amin'ny tananan'ny Sidona ahay, ijay nitondran'i Jolio an'i Paoly tamin'ny hatsaram-pagnahy ary nagnavela anajy handeha ho agny amin'ireo akamany handray ny fikarakaran'ijy ireo. 4Avy tagny ahay no nandeha andranomasina ary niesambo nagnaraka ny morogn'ny Kyprosy, nagnariny ny nosy, satria nanohitra anay ny rivotra. 5Aviteo niesambo namakivaky ny sisi-tanin'ny Kilikia sy Pamfilia, avy tao Myra ahay,tanànan'ny Lykia. 6Tagny, ny kapiteny die nahita sambo raika avy agny Aleksandria ijay hesambo ho agny Italia. Napetragny tao amin'ijany ahay.7Laha efa nesambo niadagna nandritry ny andro rahabe ahay ary ny farany die avy tamim-pahasahiranana teo akaikin'ny Kinidio, die tsy namela anay henga tamin'ijany lalagna ijany koa ny rivotra, ka die niesambo nagnaraka ny ilany takon-drivotra ny Kreta ahay, mifananjo amin'ny Salmona. 8Nagnara-morogna tamim-pahisahiragnana ahay, nandra- pahatongavanay tagny amin'ny toerana raika atao hoe Tsara-fitodian-sambo, ijay mariny an'ny tananan'ny Lasea.9Ary nandany fotôgna maro ahay, efa dilatra hiany koa ny fotôgna fifadienkanin'ireo Jiosy, ary efa lasa nampidi-doja ny miondragna an-sambo. Ka die nampitandrigna anajy ireo i Paoly,10 ary nijaka hoe: ''Ry lelahy, hitako fa itoy die ijay hamboaritsena itoy die hisy faharatrana sy fantiatoka rahabe, tsy hôn'ny anitegna sy ny sambo mandy, fa hôn'ny aintsena koa.'' 11Fa ny kapiteny nagnome lanja kokoa ny mpitondra sy ny tompon'ny sambo noho ireo raha ijay vôlajan'i Paoly.12Satria ao amin'ny seragnana die tsy mora laha hijanognana mandritry ny ririnina, die rahabe tamin'ireo mpesambo no nagnatoro hevitra ny hiondragna henga teo, fa sôdieba afaka handalo ny tanànan'ny Foiniksa amin'ny fomba manontolo ahay, ba hitoboka agny mandritra ny ririnina. Foiniksa die seragnana agny Kreta, ary magnatrika ny megnavaratra andrefana sy megnantsimo andrefana ijany. 13Laha efa nanomboka nitsioka malefaka ny rivotra avy agny antsimo, die nihevitra ireo tan-sambo fa nanagna je nilainy ijy ireo. Ka die nampiakatra ny vatofantsika ary niondragna nagnaraka an'i Kreta ijy ireo, nagnariny ny morondranomasina.14Fa afaka fotôgna fohike die nisy tafio-drivotra mahery, natao hoe Eoraklydona, nanomboka namely mafy avy agny amin'ny nosy. 15Laha efa tratry ny tafiotra ny sambo ary tsy afaka nanohitra ny rivotra koa, die tsy mentsy nagnome lalagna ny tafiotra ahay ary nindan'ny rivotra tegny rehetra tegny. 16Nesambo nagnaraka ny nosy kely raika atao hoe Kaoda ahay, ary tamim-pahasehiragnana no nahafahanay niaro ny lakagna famonjen'aigna.17Laha efa nampekarin'ijy ireo ny lakagna famonjen'aigna, die nampesain'ijy ireo ny tadin'ijany ba hamihejana ny vatagny ny sambo. Nangoaigna ijy ireo fa tokony handeha ambonin'ny fasika mandrevon'ny Syrtiso, ka die nalatsak'ijy ireo ny vatofantsiky ny ranomasina ary nandeha hoajy tegny. 18Tratriny familejana mahery vaikan'ny tafioka ahay ka nanjary ny andro magnaraka io die nanomboka nagnary ireo etangna tagny ambohon'ny sambo ijy ireo.19Tamin'ny andro fahatelo ireo mpesambo die nanomboka nagnary ny entagny ny sambo tagny ambohon'ny sambo tamin'ny tagnan'ijy ireo manokagna. 20Laha efa tsy namiratra taminay nandritry ny andro maro ny masoandro sy ny kintagna, ary bola namely anay ny tafiotra lehibe, die very aby manontolo ny fagnantenana ny hahavôvonjy anay.21Laha efa lasa lavitra tsy nisy rahanina ijy ireo, die nitsangagna teo amin'ireo mpesambo i Paoly aviteo ary nijaka hoe: ''Ry lelahy, tokony niteno anahy anareo, ary tsy niondragna avy lahatagny Kreta, ho tratrin'ijao faharatrana sy jao fatiantoka ijao. 22Ankehitriny die mampirisika anareo aho ba hahery , fa tsy hisy fahavirejan'aigna eo aminareo, fa fahavirejan'ny sambo mandy.23Fa tamin'ny aligna die nisy anjelin'Andriamanitra ijay Tompoko, ijay tompoiko mandy koa, nitsangna teo agnilako ny anjeliny 24ary nijaka hoe: 'Aja matahotra, ry Paoly. Tsy mentsy hitsangagna eo alohan'i Kaisara anao, ka die, Andriamanitra ao amin'ny hatsaram-pagnahy no nagnome anao ireo manontolo mesambo miaraka aminao.' 25Noho ijany, mionona, ry lelahy! Fa matoky an'Andriamanitra aho fa hitranga araka ijay vôlaja taminahy ijany. 26Kanefa tsy mentsy hidogna amina nosy rahabe antsena.''27Laha efa avy ny aligna faha efatra ambin'ny folo, laha natopatopaky ny ranomasina tetsy sy terôgna tao amin'ny ranomasin'ny Andreo ahay, tokony tamin'ny sasakaligna die nihevitra ireo mpesambo fa nagnariny tany ijy ireo. 28Die nangala refindrano ijy ireo ka nahita fa efapolo metatra ny halaligny. 29Nangoaigna ijy ireo sao die ba hidofitra amin'ny vato ahay, ka die nandatsaka vatofantsika efatra avy ao afara ijy ireo ary nivavaka ba hevien'ny mandraigna tsy ho ela.30Ireo mpesambo die nandremby fomba handôjana ny sambo ary nandatsaka ny lakagna famonjena aigna tagny andranomasina, ary mody nandatsaka ny vatofantsika avy teo andohan'ny sambo ijy ireo. 31Fa Paoly nijaka tamin'ny Kapiteny sy ireo miaramila hoe: ''Laha tsy mijanogna agnaty sambo ireo lelahy ireo, tsy ho vôvonjy anareo.'' 32Aviteo ireo miaramila die nanapaka ny tadin'ny lakagna ka die namela an'ijany hihitsoka.33Laha efa nanomboka nihanajava tsara ny andro, die nandrisika anajy ireo Paoly ba hangala rahanina bebe. Hoy ijy hoe: Itoy andro toy ny andro faha efatra ambin'ny folo ijay hembenanareo ary tsy hihinananareo; tsy nihinagna na ino na ino anareo. 34Noho ijany die mandrisika anareo aho ba hijara rahanina, fa ilaina ijany ba hahavelogna anareo. Fa tsy hisy na die raika aminareo jay ho very na die ny singam-bolon-dohany aja.'' 35Laha efa avy nijaka anijany ijy die nangala moto ary nisaotra an'Andriamanitra teo amason'ny rehetra. Aviteo ijy nijarajara ny mofo ary nanomboka nihinagna.36Avy teo die nahery ijy manontolo ary nangala rahanina mandy koa.37 Olo 276 ahay no tao agnaty sambo. 38Laha efa nihinagna tsara ijy ireo die nihamevagnindreo ny sambo tamin'ny nagnarendreo vary tagny agnaty ranomasina.39Laha efa avy ny andro, die tsy fantatr'ijy ireo ny tany, fa nahita vinagnin-drano raika nisy toram-pasika ijy ireo, ary nifandinika ijy ireo laha afaka hitondra ny sambo tegny. 40Ka die nitapahindreo ny vatofantsika ary nabelandreo tagny andranomasina. Niaraka tamin'ijay die nalatsakandreo ny tady teo amin'ny familena ary natsangagny ny lay ho eo amin'ny rivotra; ary die nenga teo amin'ny tora-pasika ijy ireo. 41Fa avy teo amin'ny toerana raike ijay nisy ranomasina nifanapake areo, ka nidogna tamin'ny tany ny sambo. Ary ny lohan'ny sambo die nirekitra teo ary nijanogna tsy afaka nihetsika, fa ny vodi-sambo koja die nanomboka vaky nohon'ny hahery vaikan'ny onja.42Ny tetik'ireo miaramila die ny hamono ireo gadra ba tsy hisy amin'ijy ireo ho afaka handeha handaogna ka hilefa. 43Fa le kapiteny te-hamonjy an'i Paoly, ka die najanognany ny tetik'ijy ireo; ary nameny beko ireo mahay mandaogna ba hilatsaka ambohon'ny sambo aloha ary ho egny an-tanety. 44Avy teo tokony hagnaraka ny ambin'ireo lelahy, ny saragny ambony hajo fisaka ary ny saragny ambony raha hafa avy tao amin'ny sambo. Hôtran'ijany no nitranga ka ny manontolo taminay die avy sômatsara tegny an-tanety.
Chapter 28

1Laha efa avy sômatsara ahay, die fantatray fa ny tany die nantsoina hoe Malta.2 Ireo topo-tany die tsy nagnome hatsaram-pagnahy tsotra taminay fotsiny, fa nandrehitra afo ijy ireo ary nampandroso anay manontolo nohon'ny erika sy ny nara.3Fa laha efa namory hitay sy nampiditra an'ijany tamin'ny afo Paoly, die nisy meragna nivôka nohon'ny hafanana, ary nifahy tamin'ny tagnany. 4Laha efa nahita an'le biby nisampy teo amin'ny tagnany ireo teratany, die nifampiresaka ijy ireo hoe: ''Tena mpamono olo ijay nilefa avy tagny andranomasina io lelahy io, laha ny rariny die tsy tokony ho velogna ijy.''5Fa aviteo nangotsongojogna an'le biby hôgnaty afo ijy nefa tsy naratra mihitsy. 6Nandigny anajy ba ho voan'ny harikoditra na ho maty tampoka ijy ireo. Fa laha efa avy nijaha anajy maharitra ijy ireo ary nahita fa tsy nisy raha tsy mahajatra nanjo anajy, die niova hevitra ijy ireo ary nilaja fa ijy die andriamanitra.7Ary tamin'ny toerana nariny teo nisy an'ireo tany ijay an'le lelahy lehiben'ny nosy, lelahy atao hoe Paplio. Nandray anay ijy ary nagnome rahanina anay tamim-pahatsaram-pagnahy nandritry ny telo andro. 8Ny iaban'i Paplio die nararin'ny tajo sy fivalagnan-drà. Laha efa nandeha tagny amin'ni Paoly, die nivavaka ijy, nametraka ny tagnany taminajy teo,ary nagnasitragna anajy. 9Tafaran'ny nitrangan'ijany die nagnantogna anajy ny ambin'ny vahôka manontolo je narary teo amin'ny nosy ary nahafaka aby. 10Ny vahôka hiany koa die nagnome voninahitra anay tamin'ny voninahitra rahabe. Ary laha efa niomagna henga hesambo ahay, die nagnome anay je nilainay ijy ireo.11Afaka telo volagna ahay die nandeha niondragna tamin'ny sambo ijay nijanogna tao amin'le nosy nandritry ny ririnina, sambon'i Aleksandria, misy '''sarikamban'andriamanitra'' eo alohan'ny sambo. 12Ary laha efa avy tamin'ny tanànan'i Sirakosa ahay, die nijanogna tao nandritry ny telo andro.13Niala avy teo ahay niesambo ka avy tamin'ny tanànan'i Regioma. Ary laha efa afaka raik'andro die nisy rivotra nitsioka avy lahatagny antsimo, ka roa andro ahay die avy tao amin'ny tanànan'i Potioly. 14Tao no nahitanay ireo rahalahy sasagny ary nanasa anay ba hijanogna miaraka amindreo nandritry ny fito andro. Tamin'ny alalan'ijany no nevienay tagny Roma. 15Avy tegny ireo rahalahy, tafaran'ny naharignesandreo ny mahakasika anay, die avy nitsena anay tagny amin'ny tsenan'i Apio sy ireo tragnom-bahiny telo. Laha efa nahita an'ireo rahalahy Paoly, die nisaotra an'Andriamanitra ijy ary nahajo hery.16Laha efa niditra tao Roma ahay, die nahajo alalagna hiaraka hiaigna amin'ireo miaramila miambigna anajy Paoly. 17Ary laha efa afaka hateloana tafaran'ijay die nampangaike nikaraka ireo lelahy ijay mpitarika teo amin'ireo Jiosy ireo i Paoly. Laha efa niaraka avy ijy ireo, die nijaka tamin'ijy ireo ijy hoe: ''Ry rahalahy, nazie tsy nagnano raha ratsy tamin'olo na ny fomban-,drajantsena aja aho, die natolotra ho vôfonja tagny Jerosalema teo antagnan'ny Romana. 18Laha efa avy nagnadihady anahy ijy ireo, die nagniry ny hagnafaka anahy, satria tsy nisy antony tokony hagnamelohana anahy ho maty.19Fa laha efa nanohitra ny fagnirien'ijy ireo ny Jiosy, die vôtery aho nampagaike an'i Kaisara, na die tsy hôtran'ny hoe nitondra fitorena hanohitra ny fireneko aja. 20Nohon'ny haikako, die nangatake ny hahita anareo sy hiresake aminareo iaho. Ijany die nohon'ny fahatokisan'Israely momba ny hagnafihejana anahy amin'itoy rojo toy.21Avy teo die nijaka tamin'ajy ijy ireo hoe: ''Tsy bola nahajo an'ireo taratasy mahakasika anao avy lahatagny Jodia ahay, na rahalahy avy sy nitatitra na nijaka raha ratsy makasika anao. 22Fa tienay ho regny aminao ny eritreritrao mahakasika an'ijany sekta ijany, satria fantatray fefa ratsy laja egny rehetra egny ijany.23Laha efa nisafidy andro hônajy ijy ireo, die maro kokoa ireo olo nagnantogna anaje tagny amin'ny tragno nivahinianane. Nampahafantartra an'le raharaha tamin'ijy ireo ijy, ary nijoro vavolombelogna mahakasikan'ny fanjakan'Andriamanitra. Niejaka nandresy lahatra anajy ireo ny momba an'i Jesôsy ijy, na tamin'ny alalan'i Mosesy ijany na tamin'ny alalan'ny mpaminagny, nanomboka ny maraigna ka hatramin'ny hariva. 24Ny saragne die resy lahatra tamin'ireo raha vôlaja, raha tsy nino koja ny saragny.25Laha efa tsy nifagnaraka ijy ireo, die nanjary tafaran'ny nagnambaran'i Paoly an'itoy jaka raik'itoy hoe: ''Ny Fagnahy Masigna die nijaka tsara ireo rajagnareo tamin'ny alalan'Isaia mpaminagny. 26Hoy ijy hoe: 'Mandihana agny amin'ireo vahôka ireo ary lajay hoe: ''Amin'ny fihôgnana no harignesanareo, fa tsy hahatakatra; ary amin'ny fahitana no hahitanareo, fa tsy hahita.27Fa nihadonto ny fon'ireo olo ireo, ary sarotra amin'ny tadignin'ijy ireo ny haharegny, ary nam-py ny masony ijy ireo. Fa laha tsy ijany die afaka hahita amin'ny masony ijy ireo, ary haharegny amin'ny tadigniny, sy hahatakatra amin'ny fony ka hiverigna indraike, die hagnasitragna anajy ireo aho.'''28Noho ijany, tokony ho fantatrareo fa ijany famonjen'Andriamanitra ijany die nalefa tamin'ireo Jentilisa, ary hiteno ijy ireo.'' 29(Fagnamarihana egny amin'ny farany ambanin'ny Pejy: Asa28:29- Ny antotan-taratasy saragny die managna ny andignine 29 hoe: ''Laha efa nijaka an'ireo raha ireo ijy, die lasa ny Jiosy. Nisy fifamolagnana lehibe tamin'ijy ireo.'')30Paoly die niaigna nandritry ny roy taogna garangidigna tao amin'ny tragnony nohofana manokagna, ary nandray je rehetra avy teo amin'ajy. 31Nagnambara ny fanjakan'Andriamanitra ijy ary nampianatra ireo raha mahakasika an'i Tompo Kristy tamin'ny fahasahena manontolo. Ary tsy nisy nanakagna anaje.

Romans

Chapter 1

1Paoly, mpanompon'i Jesôsy Kristy, die vôhaike ho apostoly, ary vôtokagna ho mpilaja ny filajantsaran'Andriamanitra. 2Io ilay filajantsara ijay nampagnantenainy meloha tamin'ny alalan'ireo mpaminanine tao amin'ny Soratra Masina. 3Ijany die mahakasika ny Janaka lahy, ijay terake avy amin'ny janak'i Davida araka ny nofo.4Tamin'ny fitsanganana tamin'ny mate, die vôlaja ho ilay janaka maherin'Andriamanitra tamin'ny herin'ny Fagnahin'ny fahamasignana Ijy_die Jesôsy Kritsy Tompontsena. 5Tamin'ny alalany no najahontsena fahasoavana sy ny maha-apôstôly amin'ny fagnikena ny finôna eo amin'ny firenena abiaby, noho ny Agnarane. 6Amin'ireo firenena ireo, anareo mandy koa die vôhaike ho an'i Jesôsy Kristy.7Itoy taratasy itoy die hôn-dreo abiaby ao Roma, ijay malalan'Andriamanitre, ijay vôhaike ho olo-masina. Ho aminareo anie ny fahasoavana, sy fedagnana avy amin'Andriamanitre Iabantsena sy Jesôsy Kristy Tompo.8Vôlohane, isôrako ny Andriamanitro amin'i alalan'ny Jesôsy Kristy noho ny amin-dreo abiaby, satria ny finônareo die efa nilajaina magneragna ijao totolo ijao. 9Fa Andriamanitra no vavolombeloko, ijay tompoiko ao amin'ny fagnahiko ao amin'ny filajantsaran'ny Janagne, fa tsy mijanogna mivoria anareo amin'Aje aho. 10Mangataka fehijay Aho amin'ny vavake amboariko ny mba ahombiajako amin'ny fomba abiaby araka ny sitrapon'Andriamanitre mba ho avy aminareo.11Fa iaho die magniry ny hahita anareo, mba hahafahako magnome fagnomejam-pagnahy sarasaragne hônareo, ba hampatanjaka anareo. 12Ijany, die magniry aho mba hifankaherejantsena eto amfovôntsena, amin'ny alalan'ny finônan'ny kiraidraike aby,ny anareo sy nenahe.13Amin'ijao fotôgna halako anareo tsy hahalala, ry rahalahy, hoe matetika aho no managna eritreritra hagnantogna anareo, (nefa iaho die vôsakagna mandrak'ijao fotôgna), mba hajahôna vokatra eo aminareo, hôtrany efa najahôko ny sisan'ireo Jentilisa mandy koa. 14Iaho die mpitosa amin'ireo Grika sy ireo vahiny, amin'ny kanty sy môla.15 Noho ijany, amin'ahe, die vognona mandy koa iaho hagnambara ny filajantsara hôn'anareo ijay agny Roma.16Fa iaho die tsy megnatre amin'ny filajantsara, fa ijany no herin'Andriamanitra ho famonjena ireo abiaby ijay mino, hôn'ny Jiosy aloha ary hôn'ny Grika. 17Fa amin'ijany no anehôna ny fahamarignan'Andriamanitra avy amin'ny finôna hômin'ny finôna, arak'ijay vôsoratra hoe: "Ny marina die ho velogna amin'ny finôna."18Fa ny fahavigniran'Andriamanitra die nabôke avy agny an-dagnitre manohitra ny haratsiam-pagnahy sy ny tsy fahamarignan'ny olo, ijay mandrara ny fahamarignana amin'ny alalan'ny tsy fahamarignana. 19Ijany die satria ijay fantatra mahakasikan'Andriamanitra die hitan-dreo maso. Fa najavain'Andriamanitra areo.20Fa ireo endrikane ijay tsy hita maso, ijay heriny tsy misy farane sy maha-Andriamanitra an'Aje, die hita najava tsara, nanomboka tamin'ny famorognana ijao tontolo ijao, tamin'ireo raha ijay noforognina. Noho ijany tsy managna felan-tsigny areo. 21Ijany die satria, na di'efa nahafantatra ny mahakasikan'Andriamanitra aja areo, die tsy nagnome voninahitra amin'ny maha-Andriamanitra an'Aje, na koa nisôtran'Aje. Fa koja, nanjary môla tao an-tsaigne areo, ary nihamejigna ny fo donton-dreo.22Areo die nijaka an'ajy ireo ho kante, kanefa die niha-môla. 23Ny voninahaitr'Andriamanitra tsy mety lo die natakalon-dreo sarin'endrik'olombelogna, mety lo, vorogna, biby manan-tongotra efatra, sy ireo raha mikisake.24Noho ijany die natolotr'Andriamanitra hômin'ny filàn'ny fon-dreo hômin'ny halotôn-dreo, mba ho afa-baraka eo amin-dreo mandy ny tegnan-dreo. 25Areo no nanakalo ny fahamarignan'Andriamanitra tamin'ny vandy, ary ijay midera sy manompo ny java-boary fa tsy ilay namorogna, ijay deraina madrakijay. Amena.26Noho ijany, natolotr'Andriamanitra hômin'ny filàn-dratsy mamoafady areo, fa ireo viavy ireo die nanakalo ireo fifandresana vôjagnahary tamin'ireo ijay tsy vôjagnahare.27 hôtr'ijany koa, ireo lelahy die nagnabela ny fifandresan-dreo vôjagnahary miaraka amin'ny viavy ka nampirehetin'ny filàna ara-nofo hôn-dreo samby an-dreo. Ireo die lelahy ijay nagnano fihetsike magalalabaraka miaraka amin'ny lelahy ary nandray tao amin-dreo ny sajy ijay mendrika an'ajy ireo nohon'ny fivetavetan-dreo.28Satria tsy nagneke ny hanagna an'Andriamanitra ao amin'ny fieritreretany areo, die nameny saigna tsy mendrika areo, mba hanôvana ireo raha ijay tsy mete.29Areo die feno ny hadisôna, haratsena, fagnirena, ary lolompo abiaby. Areo die feno fialognana, famonôna, fifampizizôna, fitake, ary eritreri-dratsy.30 Areo die mpifosa, mpagnendrikendrike, ary mpankahala an'Andriamanitra. Areo die mahery setra, miavogna, ary mihebohebo. Areo die mpamorogna raha ratsy, ary areo die tsy magnaja ny ray aman-drenine.31 Areo die tsy managna fahalalana; areo die tsy ajo atokisana, tsy managna fitiavana vôjagnahare, ary tsy mamindra fo.32Hain-dreo ny lalàn'Andriamanitra, fa ireo ijay magnano raha hôtr'ijany die magneva ny fahafatesana. Fa tsy ireo raha ireo mandy no amboarine, fa magneke ny hafa ijay magnano an'iregny koa.
Chapter 2

1Noho ijany die tsy managna fialan-tsiny anao, ry olo, anao ijay mitsara, fa ijay itsaranao ny hafa no angnamelohana ny tegnanao. Fa anao ijay mitsara dia magnano an'ireo mandy koa. 2Nefa fantantsena fa ny fitsaran'Andriamanitra die arake ny marina laha mianjady amin' ireo ijay magnano raha hôtran'ireo ijany.3Fa hevero ijao, ry olo, anao ijay mitsara ireo ijay magnano raha hôtran'ireo na die magnano hôtran'iregny koa aja anao.Hilefa ny fitsaran'Andriamanitra ve anao? 4Sa hamevagninao ny haren'ny hatsaram-pagnahine, ny fandiferane, ary ny faharetane? Tsy fantatrao ve ny hatsaram-pagnahine die natao hitarika anao amin'ny fibebahana?5Fa ijany die ho amin'ny halehiben'ny hamafy sy tsy fibebahan'ny fonareo no agnagonanareo havignirana ho an'ny tegnanareo amin'ny andro fahavignirana, ijany die, ny andron'ny fanehoana ny fitsarana marin'Andriamanitra. 6Hamaly ny olo abiaby amin'ny fagnaranana hôtr'ireo namboariny Ijy; 7Hagnome araka ny faharetane, ny asa tsara mandremby dera, voninahitra, ny tsy fahafatesana, fiaignana mandrakijay Ijy8Fa ho an'ireo ijay mandrembe ho an'ny tegnany, ijay tsy magneky ny marina fa magneke ny tsy fahamarignana, die ho avy ny havignirana sy ny fahasiahana. 9Andriamanitra die hitondra fahorena sy fisotriana amin'ny fagnahin'ny olo abiaby ijay nagnano ratsy, amin'ny Jiosy aloha, ary amin'ny Grika mandy koa10Fa dera, laja, ary fiadagnana no ho avy amin' ireo ijay magnano ny tsara, amin'ny Jiosy aloha, ary amin'ny Grika mandy koa. 11Fa tsy misy fiangarana miaraka amin'Andriamanitra. 12Fa ijay rehetra magnota tsy managna ny lalàna die ho vere tsy managna lalàna mandy koa, ary ijay abiaby nagnota niarake tamin'ny fagnajana ny lalàna die ho tsaraina araka ny lalàna.1314Fa tsy ireo mpaharegne ny lalàna no marina eo ankatrehan'Andriamanitra, fa ireo ijay mampihatra ny lalàna no nohamarignina. Fa ireo Jentilisa, ijay tsy managna ny lalàna, laha magnano ny raha momban'ny lalàna araky ny vôjanahary, die areo no lalàna ho an'ny tegnany, na die tsy managna ny lalàna aja areo15Amin'ijany no agnaboahan-dreo fa ny asa angatahan'ny lalàna die vôsoratra ao am-pon-dreo.Ny fieritreretan-dreo mandy koa dia vavolombelogna ho an-dreo, ary ny fisaignan-dreo manokagna die magnameloka na miaro an-dreo amin'ny tegnan-dreo 16ary koa amin'Andriamanitra. Ijany die hibôke amin'ny andro ijay hitsaran'Andriamanitra ireo tsiambaratelon'ny olo abiaby, araka ny filajantsarako, amin'ny alalan'i Jesôsy Kristy.17Fa laha ôhatran'ny ka Jiosy no angehanao ny tegnanao ary miankina amin'ny lalàna sy mirehareha ao amin'Andriamanitra, 18ary mahalala ny sitrapony sy mamantatra ijay raha tsara loholoho satria nampianarina tamin'ny lalàna anao; 19ary laha ôhatran'ny ka resy lahatra anao fa ny tegnanao die mpitarika ny jamba, fahajavana ho an-dreo ijay ao amin'ny menjigna, 20mpagnitsy ny môla, mpampianatra ny jajakely, ary anangnanao ao amin'ny lalàna ny endriky ny fahalalana sy ny marina, dia ahôna ijany no fiantraikan'ijany amin'ny fomba hiaignanao ny fiaignanao?21Ary anao, ijay mampianatre ireo saragne, tsy mampianatre ny tegnanao ve anao? Anao ijay mitory manohitre ny halatre, mangalatre ve anao? 22Anao ijay mijaka fa tsy tokony hijanganjanga, mijangajanga ve anao? Anao ijay mankahala ny sampy, mandroba ireo tempoly ve anao?23Anao ijay faly mirehareha ao amin'ny lalàna, magnala baraka an'Andriamanitra ve anao amin'io fandikanao ny lalàna io? 24Fa ny agnaran'Andriamanitra die efa afa-baraka teo amin'ireo Jentilisa noho anareo, "arake ijay efa vôsoratre.25Fa mahajo tombony amin'ny famorana tokôtre anareo laha ôhatre ka magneke ny lalàna, fa laha mandika ny lalàna anareo, dia lasa tsy vôfora na die efa vôfora aja anareo. 26Arak'ijany, raha olo tsy vôfora no mitandrigna ijay takian'ny lalàna, tsy hatao ho isan'ny vôfora ve ijy na die tsy vôfora aja? 27Ary tsy ho helohin'ilay raike ijay tsy mifora ara-boajagnahare ve anareo laha ôhatra ka mitandrigna ny lalàna ijy? Ijany die satria managna ny lalàna vôsoratre sy ny famoràna anareo, nefa mbola mandika ny lalàna!28Fa ijy die tsy Jiosy amin'ny endrika ivelagne fotsiny; na amin'ny famoràna ijay miseho amin'ny endrika ivelan'ny nofo fotsiny. 29Fa ijy die jiosy ao anaty, ary ny famorana ijay an'ny fo, ao amin'ny Fagnahy, fa tsy ao amin'ny soratre. Ny fiderana ny olona hôtran'ijany die tsy avy amin'ny olo fa avy amin'Andriamanitra.

Chapter 3

1Ka ino ary ijany ny tombotsoa anagnan'ny Jiosy? Ary ino no tombotsoan'ny famoràna?2 Tsara ijany amin'ny fomba abiaby. Vôlohany indrindra, ireo Jiosy die nametrahana ny fagnambarana avy amin'Andriamanitra.3Fa aôna laha tsy manam-pinoana ireo Jiosy saragne? Ny tsy finôn-dreo ve no hahatonga ny fahatokian'Andriamanitra tsy ho tanterake?4 Tsy hisy mihitsy anie ijany. Fa koja, abilay ho hita fa marina Andriamanitra, na die mpivandy aja ny olo kiraidraike. Araka ny vôsoratra hoe: "Habôke amin'ny jakanareo fa olo-marina anareo, ary abôke laha avy amin'ny fitsarana anareo."5Fa laha toa ny tsy fahamarignantsena no magnatoro ny fahamarignan'Adriamanitra, ino no ajontsena hatoro? Afaka mijaka ve antsena fa tsy marina Andriamanitra amin'ny fagnaboahane ny havignirany amintsena, sa tsy ijany? (Mampiasa lahan-tenin'olombelogna aho.) 6Tsy hisy mihitsy anie ijany! Satria amin'ny fomba akory ary no hitsaran'Andriamanitra an'ijao tontolo ijao?7Fa laha toa ny fahamarignan'Andriamanitra ka magnome fiderana betsake hôn'Ajy amin'ny alalan'ny vandiko, die nagnino ary iaho no mbola tsaraina ho mpanota? 8Fa nagnino no tsy mijaka, araka ny tatitra diso ijay jakaina fa jakaintsena, ary koa araka ny amafisin'ny saragne fa nijakaintsena hoe: "Abilay ahay hagnano ratsy, mba hevian'ny soa" Rarine ny fitsarana amboarina amin-dreo.9Die ino ary? Magnome rariny ny tegnantsena ve antsena? Tsy ijany mihitsy. Fa antsena die efa nagnameloka ny Jiosy sy ny Grika, ijy abiaby, ho mpanota. 10Ijany die araky ny vôsoratra hoe: "Tsy misy olo-marina, na die raika aja.11Tsy misy ndre raika aja mahalala. Tsy misy nadre raika aja mirembe an'Andriamanitra. 12Lasa nisitaka avokoa ijy abiaby. Lasa tsy misy ilànan'ajy ijy abiaby. Tsy misy mba magnano ny tsara, na die raika mandy aja.13Ny tendan-dreo die kibory mivoha. Ny lelan-dreo die mivande. Ny poijinan'ireo bibilava die ao ambanin'ny molotran-dreo. 14Ny vavan-dreo die feno ojogna sy andolom-po.15Ny tongotran-dreo die havanana amin'ny fandatsahan-drà. 16Ny fanimbàna sy ny fahasahiragnana die egny amin'ny lalagnan-dreo. 17Iregny olo iregny die tsy nahafantatra ny lalagnan'ny fedagnana.18 Tsy mba misy havakana an'Andriamanitra eo alohan'ny mason-dreo."19Amin'ijao fotôgna die fantantsena fa n'ino n'ino jakain'ny lalàna, die miantefa amin'ireo ijay ambany lalàna. Ijany die mba hahatonga ny vavan'ny kiraidraike hangigna, ary mba handray valiny avy amin'Andriamanitra ijao tontolo ijao. 20Ijany die satria tsy hisy vatagna hamarignina amin'ny asan'ny lalàna eo amasone. Fa amin'ny alalan'ny lalàna no hevian'ny fahafantarana ny fahotana.21Fa amin'ijao fotôgna die nampahafantarina mandy koa ny fahamarign'Andriamanitra tsy amin'ny lalàna. Nohamarignin'ny lalàna sy ireo mpaminany,22 fa ijany, no fahamarignan'Andriamanitra amin'ny alalan'ny finôna an'i Jesôsy Kristy hoan'ijay abiaby mino. Satria tsy misy fagnavahana.23Fa nagnota ny olo abiaby ka tsy managna ny voninahitr'Andriamanitra, 24ary areo die hamarignina maimaimpôgna amin'ny fahasoavane amin'ny alalan'ny fagnavotana ijay ao amin'ny Kristy Jesôsy.25Fa Andriamanitra nagnome an'i Kristy Jesôsy ho rakitra amin'ny alalan'ny finôna ny ràny. Natolotrane ho porofon'ny fahamarignany Kristy, nohon'ny tsy fijahana ny ota tagne aloha 26amin'ny fahadignasana. Niseho ijany abiaby ijany ho fanehoana ny fahamarignane amin'ijao fotôgna ankehitriny ijao. Ijany die mba hahafahany magnaporofo fa marina ny tegnane, ary mba hanehôna fa Ijy die magnamarina ny abiaby nohon'ny finôna an'i Jesôsy.27Aja ary ijany ny fihebohebôna? Vôfafa ijany. Fa ino no antone? Amin'ny asa ve? Tsiare, fa nohon'ny finôna. 28Manapa-kevitra ijany antsena fa ny olo raike die hamarignina araka ny finôna tsy misy ireo asan'ny lalàna.29Sa Andriamanitry ny Jiosy rery mandy ve Andriamanitra? Moa ve tsy Andriamanitr'ireo Jentilisa koa Ijy? Ieke,an'ny Jentilisa koa.30 Laha, raika mandy Andriamanitra, die hohamarigniny amin'ny finôna ireo vôfora, ary ireo tsy vôfora koja amin'ny alan'ny finôna.31Foagnantsena amin'ny alalan'ny finôna ary ve ijany ny lalàna? Tsy hisy mihitsy anie ijany! Fa koja, mankatò ny lalàna antsena.
Chapter 4

1Ino ary no ho jakaintsena fa hitan'i Abrahama, raitsena tagny aloha arake ny nofo?2 Fa laha nihamarignina tamin'ny asa Abrahama,die nanagna ny antone manokagna hireharehane ijy, fany tsy eo anatrehan'Andriamanitra. 3Fa ino ny jakain'ny Soratre Masina? ''Abrahama die nino an'Andriamanitra, die nisaina ho fahamarinana ijany.''4Ary ho an'jay miasa, ny karamane die tsy isaina ho fahasoavana, fa ho toy ijay trosa.5 Fa ho an'ijay tsy miasa koja nefa mino an'Ilay iray ijay magnamarina ny mpanohitre an'Andriamanitra, die isaina ho fahamarinana ny finoane.6Davida mandy koa die manognona tso-drano amin'olo ijay isain'Andriamanitra ho marina nefa tsy miasa.7 Hoy ijy hoe: ''Sambatre ireo ijay vôvela ny helogne,ary koa ireo voasarogna ny fahotane.8 Sambatre ijay tsy hisain'ny Tompo heloke.''9Amin'ireo vôfora mandy ve no hanognonana ijany tso-drano ijany, sa amin'ireo tsy vôfora koa? Fa hoy atsena hoe: ''Ny finôna die nisain'i Abrahama ho fahamarinana.''10 Koa ahôna ary no nagnisana ijany?Tamin'i Abrahama efa vôfora, sa tamin'ijy tsy mbola vôfara? Tsy tamin'ijy mbola tsy vôfora.11Abrahama die nandray ny famantaran'ny famoràna. Ijay die marika ny fahamarinan'ny finôna ijay efa nanagnane raha mbola tsy vôfora ijy. Ny valin'ijany famantarana ijany die lasa iaban'ijay mino aby ijy, na die mbola tsy vôfora aja ijy ireo. Midika ijany fa ny fahamarinana die ho isaina ho ajy reo.12 Nidika koa ijany fa Abrahama die lasa iaban'ny vôfora tsy ho an'ireo vôfora irere mandy fa ho an'ireo ijay magnarake ny dien'ny finoan'i Abrahama iabantsena ihiany koa talohan'ny tsy mbola naha-vôfora anaje.13Fa ny fampagnatenana tamin'ny Abrahama sy ireo taranagny fa ho mpandova ijao tontolo ijao ijy die tsy avy amin'ny alalan'ny lalàna fa avy amin'ny alalan'ny fahamarignan'ny finôna.14 Fa laha ireo ijay miaigna amin'ny lalàna no mpandova, die ho fôgna ny finôna, ary tsinotsinona ny fampagnantenana.15 Satria ny didy die mitondra amin'ny havignirana, fa agny amin'ijay tsy misy lalàna, die tsy misy fandikan-dalàna.16Noho ijany antony ijany die mibôke amin'ny finôna ijany, mba hipetrahan'ny fampagnatenana amin'ny fahasoavana ary ho ajo toky ami'ireo taranak'i Abrahama dahôlo _ tsy ho an'ireo ijay ambanin'ny lalàna mandy, fa ho an'ireo ijay mijara ny finoan'i Abrahama mandy koa. Iabantsena aby ijy,17 arake ny vôsoratre hoe: ''Namboariko ho Iaban'ny firenana maro ianao. ''Teo amin'ny fagnatrehan'Ialy nitokiany Abrahama, die, Andriamanitra ijany, ijay magnome fiaignana ireo mate ary mangaike ireo raha tsy fisy mba hisy.18Ndre die teo aja ireo raha-nitranga ivelagne die natoky tanterake an'Andriamanitra i Abrahama amin'ny ho avy. Ka lasa iaban'ny firenena rahabe ijy, arake ijay efa vojaka hoe: '' Ho hôtran'ijany ny taranakao.19 '' tsy marefo tamin'ny finôna ijy. Fantan'i Abrahama fa tsy afake ny hanagn'anake ijy (satria efa tagny amin'ny jato-taogna tagny ijy). Nagneky mandy koa ijy fa ny trokan'i Saraha die tsy afake hitoerananake koa.20Fany nohon'ny nampagnatenain'Andriamanitra, die tsy nilasalasa tamin'ny tsy finôna i Abrahama. Fa koja, niha-mahery tamin'ny finôna ijy ary nidera an'Andriamanitra.21 Resy lahatre tokôtre ijy fa ijay nampagnantenain'Andriamainitra, Die afake tanterahine avy koa. 22Noho ijany die nisaina ho ajy ho fahamarinagna ijany.23Ary die tsy nosoratana ho tombotsoane rerike mandy ijany, fa nisaina ho anaje ijany. 24Nosoratana ho antsena mandy koa ijany, ho an'jay hagnisana ijany, atsena jay mino Ajy ijay nanangagna an'i Jesôsy Tompontsena tamin'ny mate.25 Ijy Ilay iray nomena noho ireo fahotantsena ary die natsangagna mba hagnamarina atsena.
Chapter 5

1Satria nohamarinina tamina finôna antsena, die managna fedagnana miaraka amin'Andremanitre amin'ny alalan'ny Tompotsika Jesôsy Kristy. 2Amin'ny alalany mandy koa no anagnatsena lalagna amin'ny finôna mandeha agny amin'ijay fahasoavana ijay ijorôntsena ijany. Mifalifaly amin'ny fahatokena amen'Andremanitre anay amin'ny ho avy ijahay, fahatokena ijay ho jaraintsena ao amin'ny voninahitr'Andriamanitra.3Tsy amin'ijay mandy, fa antsena mandy koa die mifaly ao amin'ny fahorentsena. Fantatsena fa ny fahorena die mamokatra faharetana. 4Ny faharetana miteraka fankatoavana, ary ny fankatoavana miteraka fahatokiana ho amin'ny hoavy.5 Ijany toky ijany die tsy mandiso fagnantenana, satria ny fitiavan'Andriamanitra die narotsaka tao am-potsena tamin'ny alalan'ny Fagnahy masina. ijay namena antsena.6Fa laha bola nalemy antsena, die maty ara-potôgna ho an'ny ratsy fagnahy Kristy. 7Fa sarotra ho an'ny olo raike ny ho faty ho an'ny olo marina. Fa, angamba misy oloraike sahy ho faty hoan'nolo tsara.8Fa Andriamanitra maneho ny fitiavany manokagna ho antsena, satria laha bola magnota antsena, die maty ho antsena Kristy. 9Mihôtra noho ijany aja, ankehitriny. Rala nohamarinina tamin'ny ràne antsena, die ho vôvonjin'ny jany amin'ny fahavigniran'Andriamanitra.10Fa laha, bola fahavalo antsena, die nihavana tamin'Andriamanitra tamin"ny alalan'ny fahafatesan'ny janagne, ary nihôtra noho ijany, laha avy nampihavanina, die ho vôvonjy amin'ny alalan'ny aigny antsena. 11Ary tsy jay mandy, fa antsena mandy koa die mifaly ao amin'Andriamanitra amin'ny alalan'i Tompotsena Jesôsy Kristy, ijay najahôntsena ijany fihavanana ijany ankehitriny.12Noho ijany ary, hôtran' ny nidiran'ny ota tamin'ny olo raike tamijao totolo ijao, die hôtran'ny jay koa no nidiran'ny fahafatesana tamin'ny alalan'ny ota. Ary ny fahafatesana die niely tamin'ny olo manotolo, satria samy nagnota aby ny olo manotolo. 13Nandram-pisen'ny lalàna, die teto aminijao totolo ijao ny ota, fa tsy misy fagnisan-keloka laha tsy misy lalàna.14Nefa na ijany aja, ny fahafatesana die nanjaka nanomboka tamin'ny Adama ka hatramin'i Mosesy, na die teo amin'ireo jay tsy nagnota hôtran'ny tsy fankatoavan'i Adama aja, ijay tandindon'ilay ho avy.15 Nefa na ijany aja, ny fagnomejana die tsy hôtran'ny fahidisôna. Fa laha tamin'ny alalan'ny fahadisôn'ny raike no nahafy ny maro, die mihôtra lavitra ny nataon'ny fahasoavan'Andriamanitra sy ny fagnomejana avy amin'ny fahasoavan'Ilay olo raike, Jesôsy, Kristy namena be hoan'ny maro16Fa ny fagnomejana die tsy hôtran'ny vokatra lahatamin'ilay iray jay nagnota. Fa amin'ny lafony raike, avy ny fitsarana ho fagnamelohananohon'ny fahadisôn'ny olo raike. Fa amin'ny lafiny raika hafa, ny fagnomejana mefara amin'ny fagnamarinana die avy tafaran'ny fahadisôna maro.17 Fa laha, tamin'ny alalan'ny fahadisôn'ny raike, no hanjakan'ny fahafatesana amin'ny raike, die mihôtra lavitre noho ijany ny fanjakan'ireo ijay mandray ny haben'ny fahasoavana sy ny fagnomejan'ny fahamarinana amin'ny alalan'ny fiegnan'ny raike, die Jesôsy Kristy.18Noho ijany are, satria tamin'ny alalan'ny fahadisoan'ny raike no nahatonga ny olo ho amin'ny fagnamelohana, die amin'ny alalan'ny asan'ny fahamarinan'ny raika maindy koa no hatongavan'ny fahamarinana ny fiegnana ho an'ny olo manotolo. 19Fa satria avy amin'ny tsy fankatoavan'olo raike no nahatonga ny maro ho mpanota, die amin'ny alalan'ny fankatoavan,ny raike mandy koa no maha tonga ny maro ho marina.20Fa avy tamijany ny lalàna, mba ho lehibe ny fahadisôna. Nefa laha nihalehibe ny fahotana, die vôha meka nihalehibe ny fahasoavana. 21Nitranga ijany mba, hôtran'ny nanjakan'ny fahotana tamin'ny fahafatesana, die hôtran'ny ijany koa ny hanjakan'ny fahasoavana amin'ny alalan'ny fahamarinana ho amin'ny fiegnana mandrakijay amin'ny alalan'ny Jesôsy Kristy Tompotsena.
Chapter 6

1Ino ary no ho lajaintsena? Tokony hanohy amin'ny fahotana ve antsena ba hitohijan'ny fahasoavana?2 Tsy hisy mihitsy anie ijane. Antsena je-maty ny amin'ny ota, amin'ny fomba akory moa no bola hiegnantsena amijany hiany?3 Tsy fantatrareo ve fa ireo rehetra namboarina batisa tao amin'ny Kristy Jesôsy die natao batisa tao amin.ny fahafatesany?4Koa, vôlevigna, niaraka taminaje tamin'ny alalan'ny batisa ho amin'ny fahafatesana antsena. Nitranga ijany ba ho toy ny nananganana an'i Kristy tamin'ny mate tamin'ny voninahitry ny Ray, no andihanantsena amin'ny fiegnam-baovao ihiany koa. 5Fa laha mikambagna Aminaje amin'ny endriky ny fahafatesany antsena, die hikambagna amin'ny fitsanganany hiany koa.6Fantatsena ijany, fa ny vantantsena taloha die nifantsihina niaraka taminaje, ba hamotehana ny tegnan'ny ota. Nitranga ijany ba tsy ho andevojin'ny ota koa antsena.7 Ijy ijay mate die nijakaina fa marina sady afaka tamin'ny fahotana.8Fa laha maty niaraka tamin'ny Kristy antsena, die mino fa hiaraka velogna aminajy hiany koa. 9Antsena die nahalala fa nitsangagna tanin'ny maty Kristy, ary die tsy maty itsony Ijy. Tsy manjaka aminaje koa ny fahafatesana.10Fa laha momban'ny fahafatesana die maty noho ny amin'ny fahotana Ijy, maty indray mandeha ho an'ny rehetra Ijy. Kanefa, ny fiegnana ijay hiegnany die iegnany ho an'Andremanitre. 11Die tahaka anijay, tsy mentsy mihevitra ny tegnanareo ho efa maty amin'ny fahotana ihiany koa anareo, fa velogna ho an'Andremanitre ho ao amin'ny Kristy Jesôsy.12Noho ijany aja avela hanjaka amin'ny tegnanareo mety maty ny ota ba hanarahanareo filàn-dratsy.13 Aja atolotra ho an'ny fahotana ny ratsam-batagnareo, ho fitôvana ampesaina amin'ny tsy fahamarinana. Fa atolory hôn'Andremanitra ny tegnanareo, toy ny nitsangagna tamin'ny maty ijay velogna ankehitriny. Ary atolory hôn'Andremanitra ny ratsam-batagnareo ba ho fitôvana ampesaina amin'ny fahamarinana. 14Aja avela hanjaka aminareo ny ota. Satria tsy ambanin'ny lalàna anareo fa ambanin'ny fahasoavana15Ka ino ary? Tokony hagnota ve antsena satria tsy ambanin'ny lalàna, fa ambanin'ny fahasoavana? Tsy hisy mihitsy anié ijany.16 Tsy fantatrareo ve fa ilay ray ijay nanoloranareo ny tegnanareo ho mpanompo die ilay ray ijay hankatoavinareo, ilay hany tsy mentsy hankatoavinareo? Marina ijay na mpanompon'ny fahotana ijay mitarika agny amin'ny fahafatesana anareo, na mpanompon'ny fankatoavana ijay mitarika ho agny amin'ny fahamarinana.17Fa isôrana Andremanitre! Satria efa mpanompon'ny fahotana anareo, kanaefa nankato tao am-po nareo ny fomba fampenarana ijay namena anareo.18 Nafahina tamin'ny ota anareo, ary natao mpanompon'ny fahamarinana.19Mijaka tahaka ny olo aho noho ny fahalemen'ny fonareo. Satria vantany vôha nanolotra ny ratsam-batagnareo ho andevon'ny fahalotôna sy ny ratsy anareo, die tahaka anijany koa ijao, atolory ho andevon'ny fahamarinana ho amin'ny fahamasinana ny ratsam-batagnareo.20 Fa tamin'areo bola andevon'ny ota, die afaka tamin'ny fahamarinana.21 Amijao, ino ary ny vokatra ajonareo tamin'ireo javatra ijay mahamegnatre anareo ankehitriny? Satria ny vokatrireo raha ireo die ny fahafatesana.22Fa ankehitriny raha efa nafahina tamin'ny ota anreo ary tonga mpanompon'Andremanitre, die mijinja ny fahamasinana. Ny vokatre die ny fiegnana mandrakijay. 23Fa ny tambin'ny ota die ny fahafatesana, fa ny fagnomejan'Andremanitra koja die ny fiegnana mandrakijay ao amin'ny Jesôsy Kristy Tompotsena.
Chapter 7

1Sa tsy fantatrareo, ry rahalahy( satria mivoria amin'olo mahay ny momban'ny lalàna aho), fa ny lalàna die mibeko ny olo raike raha mbola velogna koa ijy?2Fa ny viavy ijay manambady die vôfatotre ny lalàna amin'ny vadiny laha mbola velogna ijy, fa laha maty ilay vadiny, die afaka amin'ny lalàna fanambadiena ijy. 3Noho ijany, laha mbola velogna ny vadiny, raha ohatra miray amina lelahy hafa ijy, die ho angihina hoe mpijangajanga ijy. Fa laha maty ilay vadiny, die afaka amin'ny lalàna ijy, ka tsy mpijangajanga ijy raha ohatra ka miray amina lelahy hafa.4Noho ijany, ry rahalahiko, die natao maty tamin'ny lalána ihiany koa anareo tamin'ny alalan'ny tegnan'i Kristy. natao ijany ba hikambagnanareo amin'ny hafa, ijany hoe, amin'Ijy ijay natsangagna tamin'ny maty, mba ahafahantsena mamokatra voa ho an'Andriamanitra. 5Fa tamintsena tao ao amin'ny nofo, ireo filàn'ny fahotana ijay nohetsehin'ny lalàna, die niasa tao amin'ireo ratsantsena ba hamokatra voa ho an'ny fahafatesana.6Fa ankehitriny die nafahana tamin'ny lalàna antsena. Maty tamin'ilay namehy antsena antsena. Ijany die ba hafahantsena manompo amin'ny havaojam-pagnahy, fa tsy amin'ny fahanteran'ny soratra.7Ino ary ny hijakaintsena? Ny lalàna mihitsy ve no fahotana? Tsy hisy mihitsy anie ijany. Kanefa, tsy ho nahafantatra ny fahotana mihitsy aho, laha tsy tamin'ny alalan'ny lalàna ijany. Fa tsy ho nahafantatra ny fitsiriritana aho raha tsy nijaka ny lalàna hoe: "Aja mitsiriritra." 8Fa nangala vahagna tamin'ny didy ny fahotana ka naha avy ny fitsiriritana rehetra ato aminahe. Fa laha tsy misy ny lalàna, die maty ny ota9Taloha aho die velogna tsy nisy lalàna, fa laha avy ny didy, die velogna indray ny ota, ka maty aho. 10Ny didy jay tokony hitondra fiegnana no nivadika ho fahafatesana hônahe.11Fa ny fahotana die nangalavahagna tamin'ny alalan'ny didy ka namitaka anahe. Tamin'ny alalan'ny didy no namonône anahe. 12Noho ijany ny lalàna die masina, ary ny didy die masina, marina, ary tsara.13Koa moa ve nivadika fahafatesana hônahy ijay tsara? Tsy hisy mihitsy anie ijany. Fa ny ota, mba ahafany hiseho ho fahotana amin'ny alalan'ny jay tsara, die nitondra fahafatesana taminahe. Ijany die mba ho amin'ny lalan'ny didy, ny fahotana die mety ho tonga tena fahotana tokôtra. 14Fa fantatsena fa aram-pagnahy ny lalàna, fa iaho avy amin'ny nofo. Efa namidy ho ao ambanin'ny fagnandevojan'ny ota aho.15Fa ny raha ataoko, die tsy tena ajoko tsara. Satria ijay tieko atao, die tsy ataoko, ary je-halako, die ataoko. 16Fa laha magnano je- tsy tieko aho, die miray hevitra amin'ny lalàna fa tsara ny lalàna.17Fa ankehitriny die tsy iaho koa no magnano ijany, fa ny fahotana ijay velogna ato agnatiko.18 Fa fantatro fa ato aminahe, ijay ato amin'ny nofoko, die tsy misy raha tsara miaigna. Fa ny fagnirian'ny tsara die ato aminahe, saingy tsy afa-magnano ijany aho.19Fa ny tsara je-tieko die tsy ataoko, fa ny ratsy je-tsy tieko, no ataoko.20 Ary raha magnano je-tsy tieko atao aho, die tsy iaho koa no miasa ijane, fa koja ny fahotana ijay miaigna ato aminahe. 21Ary, iaho die nahita, fa ny fitsipika ato aminahe fa te hanao ijay tsara aho, saingy ny ratsy no atao aminahe ijao.22Fa mifalifaly ao amin'ny lalàn'Andriamanitra aho amin'ny fagnahy maha olo. 23Kenefa mahita fitsipikaraike hafa ao amin'ny momban'ny tegnako. Ijany die miadyamin'ijany fitsipika vaovao ao ansai-ko ijany. Mitajogna anahy ho babon'ny fitsipiky ny fahotana ijay ao amin'ny momba ny tegnako ijany.24Olo-mahantra aho! ija no hagnafaka anahe amin'itoy tegnan'ny fahafatesana itoy?25 Fa isôrana Andriamanitra amin'ny alalan'ny Jesôsy Kristy Tompotsena! Noho ijane, iaho die manompo ny lalàn'Andriamanitra amin'ny saiko. Na die ijany aja, die manompo ny fitsipiky ny fahotana amin'ny nofo aho.
Chapter 8

1Noho ijany die tsy misy fagnamelohana koa amin'ijao hoa an'ireo jay ao amin'ny Kristy Jesôsy.2 Fa ny fitsipikan'ny Fagnahin'ny fiaignana ao amin'ny Jesôsy Kristy no nagnafake anahy tamin'ny fitsipikan'ny fahatona sy ny fahafatesana3Fa ijay tsy afaka nataon'ny lalàna nohon'ny fahalemin'ijany tamin'ny nofo, die nataon'Andriamanitra. Nagnirake ny Janagne lahy tokana Ijy tamin'ny endriky ny nofo feno fahotana mba ho fagnititre ho an'ny ota, ary nagnameloka ny ota tao amin'ny nofo ijy.4 Namboariny ijany mba ho tanterake amin-tsena ny raha tadiavin'ny lalàna, atsena ijay mandeha tsy araka ny nofo, fa araka ny fagnahy.5 Ireo ijay miaigna araka ny nofo mifantoke amin'ireo raha ny nofo, fa ireo jay velogna araka ny fagnahy die mifantoke amin'ireo raha ny fagnahy.t6Satria ny fisaignana miorigna amin'ny nofo die fahafatesana, fa ny fisaignana miorigna amin'ny Fagnahy koja die fiaignana sy fiadagnana. 7Ny fisaignana miorigna amin'ny nofo die fandrafena eo akatrehan'Andriamanitra, fa tsy mifagnarake amin'ny lalàn'Andriamanitra ijany, no sady tsy haine akory ny magnano ijany.8 Ireo ijay ao amin'ny nofo die afake ny ho ankasitrahan'Andriamanitra.9Nefa, anareo die tsy ao amin'ny nofo fa ao amin'ny Fagnahy, laha marina fa miaigna ao aminareo ny Fagnahin'Andriamanitra. Fa laha misy olo tsy managna ny Fagnahin'i Kristy, die tsy Ajy ijy.10 Laha ao aminareo Kristy, die maty nohon'ny fahotana ny vatagna, fa ny fagnahy die velogna nohon'ny fahamirignana.11Laha ny Fagnahin'Ilay nanagnana an'i jesôsy tamin'ny maty no velogna ao aminareo, die Ijy ijay nanangana an'i Kristy tamin'ny maty no hagnome fiaignana mandy koa ho an'ny tegnanareo ijay mety maty amin'ny alalan'ny Fagnahy, ijay velogna ao aminareo.12Noho ijany, ry rahalahy, die mpitrosa antsena, fa tsy ao main'ny nofo mba hiaigna arake ny nofo.13 Fa laha miaigna arake ny nofo anareo, die ho fate, fa laha amin'ny fagnahy ijay amonoanareo ny asan'ny tegna, dia ho velogna anareo.14Fa hôtran'ny ireo abiaby vôtarike ny Fagnahin'Andriamanitra, ijy ireo no janak'Andriamanitra.15 Fa tsy nandray ny fagnahin'ny fagnandevojana koa anareo ka hangoaigna. Fa koja, nandray ny Fagnahin'ny fananganan-janake anareo, ijay hangaingaike antsena hoe: ''Aba, Ray ô!''16Ny Fagnahy mihintsy no vavolombelogna amin'ny fagnahintsena fa janak'Andriamanitre antsena 17. Laha janaka antsena, die mandova mandy koa, mandova an'Andriamanitra. Ary mpiray lova ao amin'ny Kristy antsena, laha mijaly tegnane miarake Aminajy tokotre antsena die amem-boninahitre miarake Aminaje koa.18Fa heveriko fa ireo fijalina amin'ijao fotôgna ijao die tsy magneva ampitovina amin'ilay voninahitra ijay ho havôke amin-tsena.19 Fa ny vôhary manontolo ijay magnategna mafy die mandigny ny fampisehoana ireo janak'Andriaminatra.20Fa ny vôhary die namboarina ho raha-tsimanambatrake, tsy nohon'ny sitrapone rerike, fa noho Ilay nambôtre ijany. Ijany die ao amin'ilay toky namena21 fa ireo vôhary mihintsy no halaina amin'ny fagnandevojan'ny fahalòvana, ary hitondra agny amin'ny fahafahana ny amin'ny voninahitry ny janak'Andriamanitra ijany.22 Fa fantantsena fa ny vôhary abiaby die miara-misento sy miara-miasa ao agnatin'ny fanaitaignana na amin'ijao aja.23Tsy ijany mandy,fa na ny tegnantsena aja , ijay managna ny vôloham-bokatre ny fagnahy_ na ny tegnantsena aja die misento ao agnatintsena, mandigny ny fananganana antsena ho janake, die ny fagnavotana ny tegnantsena.24 Fa tamin'ijany toky ijany no namonjena antsena. Fa ijay atokisantsena fa hitranga die mbola tsy hita, fa ija no mandigny am-pahatokisana ijay efa hitane?25 Fa laha matoky amin'ijay mbola tsy hitantsena antsena, die mandigny ijany am-paharetena26Hotran'ijany koa, ny Fagnahy dia magnampe ao amin'ny fahalementsena. Fa antsena tsy mahafantatre iajy vavake tokone hamboarintsena, fa ny Fagnahy mihintsy no mifona ho antsena amin'ny fisentoana tsy hay jakaina.27 Ijy ijay mandinike ny fo no mahafatatre ny hevitry ny Fagnahy, satria Ijy no mibaboke ho an'ny mpino arake ny sitrapon'Andriamanitra28Fantantsena fa ho an'ireo ijay tia an'Andriamanitra, die miaraka ampesaine ho amin'ny tsara aby ny raha abiaby, ([Fanamarihana:Laha tokone hoe ''Miarake ampesaine ho amin'ny tsara aby ny raha abiaby,'' die ny dikan-teny saragne taloha magnano hoe:''Ny raha aby dia miarake miasa ho amin'ny tsara.'']) ho an'ireo jay vôhaike arake ny fandaharane. 29Satria ireo ijay fantane meloha, die notondroine meloha mandy koa mba hitovy endrika amin'ny janagne, mba ho talagnolo eo ampovôn'ireo rahalahy rahabe ijy.30 Ireo ijay notondroina meloha, die nangihine mandy koa. Ireo ijay nangihine, die nohamarignine mandy koa. Ireo ijay nohamarignine, die namene voninahitre mandy koa.31Ino ary ny tokony hijakaintsena momba ireo raha ireo? Laha momba antsena Andriamanitra, ija moa ny mahangoaigna antsena?32 Ijy ijay tsy niaro ny Janagne lahy tokany fa nanolotre Ajy ho antsena aby, ahôna no tsy hagnomejany antsena maimaimpôgna miarake Aminy ny raha-manontolo mandy koa?33Ija no hitondra fiampangana hamaly ireo olom-bôfidin'Andriamanitra? Andriamanitra no ilay raike jay magnamarina ijany. 34Ija ilay raike hagnameloke? Kristy no ilay iray maty ho antsena, ary magnôtre ijany, natsangane mandy koa Ijy. Manapake miarake amin'Andriamanitra eo amin'ny fipetraham-boninahitre Ijy, ary Ijy no ilay mibaboke ho antsena.35Ija no hagnasarake antsena amin'ny fitiavan'i Kristy? Fahorena, sa fijalena, sa fagnenjehana, sa mosare, sa filongalongana, sa loja, sa sabatre?36 Araka ny vôsoratre hoe: ''Noho anao die vôvono andro lava ahay. Noresina hotran'ny ondry ho vonoina ahay.''37Ao agnatin'ijany raha abiaby ijany die magnôtre noho ny mpandresy ahay amin'ny alalan'Ilay iray tia anay.38 Fa resy lahatre iaho fa na ny fahafatesana, na ny fiaignana, na ireo anjely, na ireo fanjakana, na ireo raha amin'ijao, na ireo raha ho avy, na ireo hery,39 na ny agnambo, na ny laligna, na javabôary hafa, die tsy hagnasarake antsena amin'ny fitiavan'Andriamanitra, ijay ao amin'i Kristy Jesôsy Tompontsena
Chapter 9

1Mijaka ny marina ao amin'i Kristy iaho. Tsy mivandy iaho ary ny eritreritro no vavolombelogna miarake aminahe ao amin'ny fagnahy masina,2 fa hônahy die misy alahelo lehibe ary fahorena tsy mijanogna ato am-poko.3Fa afaka nagniry aho fa iaho tegnako die ho vôtsitsike ka hisitake amin'ny Kristy nohon'ireo rahalahiko, areo ijay raike firajagnana aminahe araka ny nofo.4 Ijy ireo dia Isiraelita. Ijy ireo die managna fananganana, ny voninahitra, ireo fankatoavana, ny fagnomejan'ny lalàna, ny fiderana an'Andriamanitra, ary ireo fampagnatenana.5 Ny anajy ireo die ireo rajagna ijay nahatonga an'ni Kristy ho tonga nofo, Ijy ijay Andriamanintra ambonin'ny abiaby. Ho deraina mandrakijay anie Ijy. Amena.6Fa tsy fôgna ijay nampanatenain'Andriamanitra. Fa tsy ijay rehetra avy agny Isiraely no tena an'Isiraely. 7Na ireo taranak'i Abrahama abiaby no tena janagny. Fa: "Amin'ny alalan'Isaka no hentsôna ireo taranakao"8Ijany hoe, ireo janakin,ny nofo die tsy janak'Andriamanitra. Fa ireo janakin'ny fampanatenana no resine ho taranaka. 9Fa hôtran,ny jao ny tenin'ny fampagnatenana: "Amin'ijany fotôgna ijany die ho avy aho, ary hamena jajalelahy Saraha."10Tsy ijany mandy, fa aviteo koa i Rebeka hanagna anake amin'ny lelahy raike, Isaka iabantsena_11 fa mbola tsy teraka akory ireo jaja ary mbola tsy nagnano raha tsara na ratsy, mba ho tahakan'ny tanjogn'Andriamanitra araka ny fisafidianana, tsy noho ireo asa, fa noho Ijy ijay mangaika12 nijakaina tamin'draviavy hoe: "Ny jokiny die hagnampy ny jandriny. 13"Ijany die tahak'ijay vôsoratra hoe: "Jakoba tieko fa Esao halako."14Ino ary no ho hijakaintsena? Misy tsy fahamarinana ve miaraka amin'Andriamaintra? 15Tsy hisy mihitsy anie ijany. Fa hoy ijy tamin'i Mosesy hoe: "Hamindra fo amin'ijay tieko hamindrana fo aho.16 "Noho ijany ary, die tsy noho ijy magniry ijany, na noho ijy ijay mihajakajake, fa noho Andriamanitra, ijay nampiseho ny famidram-po.17Fa ny soratra Masina nagnambara tamin'i Farao hoe: "Fa noho ijany antony ijany no nanandratako anao, mba hanehôko aminao ny heriko, ary mba hagnambarana ny heriko eran-tany.18 "Noho ijany, Andriamanitra die mamindra fo amin'ny je-tiène, ary je-tiène no ho hamafisiny fo.19Aviteo hijaka aminahe anareo hoe: "Nahôna no mbola mahita tsigny hiany Ijy?" Fa ija no mahatohitra ny sitram-pone?" 20Mifanohitra amijane, ralelahy, ija moa anao no mamaly manohitra an'Andriamanitra? Moa ijay efa niomankomagnina ho mpagnomagna ijany hoe: "Nahôna no namboarinao hôtran'an'ijao iaho?"21 Moa ny mpanefy vilagny tsy managna zo amin'ny tanimanga ka ny vongagna raike mandy no hamboarana fitobohana amin'ny andro vôtokagna, ary fitobohana raika hafa amin'ny andro andavanandro?22Ahôna laha Andriamanitra, ijay te-hampiseho ny fahavignirany sy hampahalala ny fahefany, no nahadigny tamim-paharetana ireo fitobohan'ny fahavignirana nomagnina ho amin'ny fahasimbana?23 Ahôna laha namboariny ijany ba hampahalalany ny haren'ny voninahiny eo amin'ireo fitoeran'ny famindram-po, ijay efa nomagniny meloha ho amin'ny voninahitra?24 Ahôna laha ba namboariny hôntsena kao ijany, ijay nangihany ihiany koa, tsy ho eo amin'ny samy jiosy ihiany, fa ho eo amin'ny ireo Jentilisa ihiany koa?25Araky jay nijakainy tao amin'ny Hosea ihiany koa hoe: "Hangihako hoe oloko ijay tsy oloko, ary hoe sakejany ijay tsy sakeja.26 Aviteo die agny amin'ny jay nilajana tamin'ijy reo hoe: 'Tsy oloko anareo,' agny no hentsôna anajy reo hoe : "janak'Andriamanitra velogna.'"27Isaia nangaike mahare ny amin'ny Isiraely hoe: "Laha tahaka ny fasika egny amin'ny ranomasina ny asan'ny janak'Isiraely, die ho vôvonjy ijay sisa ambiny,28 fa ny Tompo hitondra ny teniny eto an-tany,feno ary tsy ho ela." 29Araka ny nijakain'Isaia meloha hoe: "Laha ny Tompo tompon'ny maro no tsy nagnavela taranaka ho antsena, die ho tahaka an'i Sodoma antsena, ary hanjary tahaka an'i Gomora."30Ino ary ny hijakaintsena? Fa ireo jentilisa, ijay tsy mandremby ny fahamarinana, ijay fahamarinana lahatamin'ny finôna.31 Fa Isiraely, ijay nandremby ny lalàn'ny fahamarinana, die tsy avy tamin'ny ijany.32Nahôna moa? satria ijy ireo tsy nandremby ijany tamin'ny finôna, fa tamin'ny asa. Tafantohignan'ny vaton'ny fagnafitohignana ijy ireo, 33arak'ijay efa vôsoratra hoe: "Jereo, ao Ziona agnabilako ny vaton'ny fagnafitohignana sy vatolampin'ny fandikan-dalàna. Ijay mino an'ny ijany die tsy ho megnatra."
Chapter 10

1Ry rahalahy, ny irin'ny foko sy ny angatahiko amin'Andriamanitra ho ajy ireo, die ny famonjena ajy reo.2 Fa mijoro vavolombelogna momba ajy reo iaho fa mafana ho an'Andriamanitra ijy reo, ny tsy araka ny fahalalana.3 Fa tsy mahafantatre ny fahamarinan'Andriamanitra regny, ary mandrembe hagnabela ny fahamarinan'ijy reo manokagna. Tsy nagneke ny fahamarinan'Andriamanitra ijy regny.4Fa Kristy no fahatanterahan'ny lalàna ho fahamarignana hoan'ny raimanotolo jay mino.5 Fa Mosesy manoratre momban'ny fahamarignana ijay hatramin'ny lalàna hoe: ''Ny olo ijay magnano ny fahamarignan'ny lalàna die hivelogna amin'ny fahamarignana ijany.''6Fa ny fahamarignana ijay avy amin'ny finôna die magnambara hoe: ''Aja mijaka ijao ao am-po hoe: ''Ija no hiakatre agny an-dagnitre?' (ijany die, manjotso an'i Kristy); 7ary aja mijaka hoe: 'Ija no hijotso agny amin'ny laligna?''' (ijany die, magnakatre an'i Kristy amin'ny maty).8Fa ino no ambaran'ijany? ''Eo akekinao ny jaka, ao am-bavanao ary ao am-ponao.'' Ijany no tenin'ny finôna, ijay ambaranay. 9Fa laha amin'ny vavanao no agnekenao an' Jesôsy ho tompo, ary mino amin'ny fonao fa natsangan'Andriamanitra tamin'y maty Ijy, die ho vonjena anao. 10Fa amin'ny fo no inôn'olo ny fahamarignana, die amin'ny vava no agnekeny ny famonjena.11Fa hoy ny Soratra Masina hoe:''Tsy megnatre je rehetre mino ajy.'' 12 tsy misy mahasamihafa eo amin'ny Jiosy sy Grika. Fa Tompo raike mandy no Tompo aby dahôlo, ary harem-pahasoavana ho amin'ijay rehetra mangaike Ajy.13 Fa je rehetre mangaike ny agnaran'ny Tompo no ho vonjena .14Ino ary no afahan'dreo mangaike Ajy ijay tsy ninône? Ino no afahan'dreo mino Ajy ijay tsy regnin-dreo? Ahôna no afahan-dreo maharegny raha tsy misy mpitory?15 Ary ahôna no afahan-dreo mitory , laha tsy nisy nagnirake? _ Araka ny vôsoratre hoe: ''Erô ny hatsaran'ny tongotre andreo magnambara ireo java-tsoan'ny filajantsara!''16Kanefa tsy ijy aby no niheno ny filajantsara. Fa hoy Isaia hoe: ''Tompo, ija no nino ny hafatray?'' 17Noho ijany ny finôna die avy amin'ny fihenona, die ny fihenona avy amin'ny jakan'i Kristy18Fa hoy iaho hoe: ''Moa ve tsy nisy naheno an-dreo?'' Eka, marina tegnane. ''Ny feon-dreo die efa nivôke magneragnan-tany, ary ny jakan-dreo hatragne amin'ny itaperan'ijao tontolo ijao.''19Ambadik'ijay, hoy iaho hoe: ''Fangaha ve tsy nahafantatre ny Israely?'' Tamin'ny vôlohane Mosesy nijaka hoe: ''Hataoko saropiaro amin'ijay tsy firenena akory ianareo. Amin'ny firenena ijay tsy misy fahalalana, hataoko ho avy amin'ny fahavignirana ianareo.''20Die tena nahasaky tokotre Isaia laha nijaka ijy hoe: ''Hitan-dreo ijay tsy nadrembe anahy iaho. Niboke tamin-dreo ijay tsy nagnotany anahy iaho.'' 21Fa hoy ijy tamin'Israely hoe: ''Tontolon'ny no nangalako ny tagnako tamin'olo tsy magneke sy maditre.''
Chapter 11

1Ary nijaka iaho, naren'Andriamaintra ve ny olone?. Sagnatria anie ijane. Fa iaho mandy koa die Isiraelita, taranak'i Abrahama, avy amin'ny fokon'i Benjamina.2 Andriamanitra die tsy nagnary ny olone, ijay efa fantany teo aloha. Fantatrareo ve ijay vôlajan'ny soratra masina momban'i Elia, die ilay fitaraignane tamin'Andriamanitra namely an'i Isiraely? hoe: 3Tompo, ijy ireo die namono ireo mpaminaninao, namotike ny alitaranao. Iaho rerike sisa tavela, ary tehamono ny aiko ijy ireo."4Fa ino no valiteny nambaran'Andriamanitra anajy? "Nanokagna fito arivo lahy ho an'ny tegnako Iaho ijay tsy nendohalike teo amin'ny Bala" 5Die hôtran'ny ijane, amin'ijao ankehitriny jao mandy koa dia misy sisa mandy nohon'ny fisafidianana amin'ny fahasoavana.6Fa laha avy amin'ny fahasoavana ijany, die tsy avy amin'ny asa koa. Fa laha ijany die tsy fahasoavana koa ny fahasoavana. ([Fagnamarihana: Ny antota-taratasy saragne taloha die mamaky hoe: " kanefa laha avy amin'ireo asa ijany, die tsy fahasoavana koa; fa raha ijay die tsy asa koa ny asa."]) 7Ino ary? Ny raha jay nirombejin'Isiraely, die tsy ajony, fa ny vôfidy no nahajo ijany, ary namafisine ireo ambiny. 8Ijany die araka ny efa vôsoratra hoe: "Andriamanitra die nagnome andreo ny fagnahin'ny fiveraverana, maso mba tsy hahitandreo, ary sofigna mba tsy handrignesandreo, hatramin'ny niany."9Ary hoy i Davida hoe: " Ôka ny latabatrane ho harato sy fandrika, ho vato mamingagna sy valifaty ho andreo. 10Ôka ny masondreo hohamejignina mba tsy hahita, ary ôka hondrike mandrakijay ny lamosignan-dreo."11Die hoy aho hoe: "Moa ve tafantohigna ireo mba ho lavo?" Sagnatria anie ijany. Fa koja, avy amin'ny fahalavôn'ijy ireo, no nieven'ny famonjena teo amin'ire jentilisa, mba hampialogna andreo. 12Ary laha ny fahavalondreo no harenan'ny ijao totolo ijao, ary laha ny fahaverenjandreo no harenan'ny ireo jentilisa, die magnano akory ny halehiben'ny fahatanterahan'ijy ireo?13Fa amijao die miresaka aminareo Jentilisa iaho, ary laha mbola apôsitôlin'ireo jentilisa iaho, die mankasitraka ny fanompôko. 14Angamba hampialogna ireo ijay lahatamin'ny nofoko manokagna iaho. Angamba hamonjy ny saragny amin'ijy reo antsena.15Fa laha midika fampihavanana an'ijao totolo ijao ny tsy fandavana andreo, die ino no handresana andreo ijane fa fiegnana avy amin'ny fahafatesana?16 Laha vôkagna ny vokatra vôlohany, die ny saragny amin'ny kobam-bary koa. Laha vôtokagna ny vahanè die hôtran'ny jay koa ireo rantsagne.17Fa laha nitapahina ny rantsagne saragne, ary laha anao, sampagna olivadia, no natambatra teo amin'ijy ireo, ary laha nifampijara tamin'ijy ireo, ny faka-mamokatry ny hajo oliva anao,18 aja mirehareha amin'ireo sampagna. Fa laha mirehareha anao, die tsy anao ny mitondra ny vahany fa ny vahany no mitondra anao.19Die hijaka anao hoe: "Nitapahina hienga ireo rantsagna mba hahafahako mifandray aminajy." 20Marina ijane. Nohon'ny tsy finôndreo die nitapahina hienga ijy ireo, fa anareo die mijoro tsara nohon'ny finônareo. Aja magnano ny tegnanareo hômbony fa matahora.21 Fa laha ny tena sampagna aja tsy navelan'Andriamanitra, die tsy havelany ihiany koa anao.22Ary, jahao, ny fahatsoram-po sy ny fahasarota-pon'Andriamanitra. Etsy andagniny, ny fahasarota-po die avy tamin'ireo Jiosy ijay lavo. Fa etsy agnilany koja, ny hatsaram-pagnahin'Andriamanitra die avy aminareo, laha mahadigny ao amin'ny hatsaram-pagnahiny anareo. Fa laha tsy jay die hitapahina koa anareo.23Ary na iregny aja, laha tsy manohy amin'ny tsy finôny ijy ireo, die hatambatra. Fa Andriamanitra die afaka mamerigna manambatra ajy ireo indraike. 24Fa laha nitapahina tamin'ny hajo oliva-dia anareo, ka nahaogna tamina hajo oliva tsara, die hôtran'ny aja ny fihôran'ny hamarojan'ireo Jiosy, ijay sampagna vôjagnahary, natambatra tamina hajo olivan'ijy ireo manokagna?25Fa tsy tieko tsy hahafantatra anareo, ry rahalahy, ny amijay java-miafigna ijay, mba tsy haha-hendry anareo amin'ny eritreritrareo manokagna. Ijany java-miafigna ijany die efa nahamafy loha ny saragne amin'Isiraely, mandram-peven'ny fahafenôn'ireo Jentilisa.26Noho ijany die hivonjena aby ny Isiraely manotolo, araka ny vôsoratra hoe: "Hivôka avy agny Ziona ny mpagnafake. Hangala ny haratsem-pagnahy amin'ny Jakoba Ijy, 27ary ijany no hifagnekem-pihavanako amin'ijy reo, laha hampiala ny fahotan'dreo Iaho."28Amin'ny lafiny raike mahakasika ny filajantsara, die fahavalon'ijy ireo nohon'ny aminareo. Amin'ny lafiny raika hafa araka ny safidin'Andriamaintra, die malala ijy ireo noho ireo rajagna.29 Fa ireo fagnomejana sy antson'Andriamaintra die tsy miova.30Fa anareo die tsy magneke an'Andriamanitra taloha, kanefa amijao anareo die nandray ny famindram-po nohon'ny tsy fankatoavan'ijy ireo. 31Hôtran'ny ijany mandy koa, ankehitriny ireo Jiosy die tsy nagneke. Ny vokane die tamin'ny alalan'ny famindram-po ijay nabôkanareo no mety handresan'ijy reo ny famindram-po mandy koa amijao.32 Fa Andriamaintra efa nagnidy ny tsy fankatoavana manotolo, mba ahafahany mampiseho famindram-po amin'ny abiaby.33Endrey, ny halalignan'ny ireo harenan'ny fahendrena sy fahalalan'Andriamanitra! Tsy takatry ny saigna ireo fitsarany, ary ireo lalagne die tsy refesina!34 "Fa ija no nahalala ny fihevitry ny Tompo na ija no tonga ho mpanolo-tsaigna Anaje?35Na ija no nagnome raha an'Andriamanitra aloha, ka tsy mentsy hagnoneran'Andriamaintra anajy indraike?" 36 Fa avy aminaje sy amin'ny alalany ary Anaje ny raha manotolo. Hônaje mandrakariva ny voninahitre. Amena.
Chapter 12

1Mangataka anareo aho noho ijany, ry rahalahy, noho ireo famindram-pon'Andriamanitra, mba hanolotre ny vatagnareo ho sorogna velogna, masina ekenan'Andriamanitra. Ijany no fanompoanareo araka ny tokony ho ijy. 2Aja manahake an'ijao tontolo ijao, fa miovà amin'ny fanavaojan'ny saigna. Atôvy ijao mba ho fantatrareo ijany tsara, ajo ekena, ary ny sitrapo lafatr'Andriamanitra.3Fa ambarako, nohon'ny fahasoavana ijay nomena an'ahy ny tsy tokony hanagnan,ny abiaby ijay eo aminareo eritreritra hagnambony ny tegnany mihôtra ijay tokony ho eritreretiny, Fa koja, tokony hieritreritra am-pahandrena areo, hôtrin'ny nanomejan'Andriamanitra fatram-pinoana ny tsirairay avy.4Fa managna ratsagna maro amin'ny vatantsena antsena, kanefa tsy mitovy aby ny asan'ireo ratsagna ireo. 5Mitovy amin'ijany, antsena ijay raha be dia vatagna iray mandy ao amin'ny Kristy, ary rantsagna manokagna amin'ny tsirairaike.6Managna fanomenjam-pahasoavana samy hafa antsena araka ny fahasoavana ijay nomena antsena. Laha faminaniana no fanomejam-pahasoavanan'ny raike, die ôka atao araka ny haben'ny finôny . 7Laha fanompoana no fanomejam-pahasoavan'ny iray, die ôka ijy hanompo. Laha nisy raike nahajo fanomejem-pahasoavana hampianatre, ôka ijy hampianatre. 8Laha fampaherejana no fanomejam-pahasoavanan'ny raike, ôka ijy hampahery. Laha magnome no fanomejam-pahasoavan'ny raike, ôka ijy hagnano ijany amim-pahalalan-tagnana. Laha hitarika no fanomejam-pahasoavan'ny raike, ôka ijany ho vita ampitandremana. Raha hampiseho fangoraham-po no fanomejam-pahasoavan'ny raike, ôka ijany ho vita am-piravoravoana.9Öka ny fitiavana tsy hisy fihatsaram-belalatsihy. Ankahalao ny ratsy, tajony mahare ijay tsara, 10Laha ny momba ny fitiavan'ny mpirahalahy, mifankatiava aminareo tsirairaike aby. Laha ny momba ny fanomejam-boninahitra, mifagnajà.11Laha ny momba ny fikirijana, aja misalasala. Laha ny momba ny Fagnahy, ôka hafana fo. Momba ny Tompo, tompoy ijy. 12Mifalia ao amin'ny fahatokiana ijay hanagnanao momba ny ho avy. Mahareta amin'ireo olagnao. Mivavaha fehijay. 13Mifampijara amin'ijay ilain'ny mpino. Mitadiava fomba maro hampiantragnoanao olo.14Misôra ireo ijay magnejika anao; misaora ary aja manojona. 15Miaraha-mifaly amin'ireo ijay mifaly; miaraha-mitagny amin'ireo ijay mitagny. 16Mitovia fisaignana amin'ny tsirairaike. Aja misaigna amin'ny fomba mirehareha, fa ikeo ireo olo ambany. Aja mihevitra ny tegnanao ho hendry.17Aja mamaly ratsy ny ratsy. Manôva raha tsara eo imason'ny olo abiaby. 18Laha mety arak'ijay ajonao atao, mihavagna amin'ny olo aby.19Aja mamaly ratsy ny tegnanareo, ry malala fa omeo lalagna ny havigniran'Andriamanitra. Fa efa vôsoratra hoe: "Ahy ny vali-faty; Ijaho no hamaly; hoy ny tompo. 20Fa raha mosaregna ny fahavaloanao omeo hanigna ijy. Laha te hisotro rano ijy omeo ijy hinomine. Fa laha manao ijany ianao, dia hagnangona vain'afo eo amin'ny lohany. 21Aja mety ho resin'ny ratsy, fa reseo amin'ny tsara ny ratsy.

Chapter 13

1Ôka ny fagnahy manontolo hagneke ireo manam-pahefana ambone, fa tsy misy fahefana laha tsy avy amin'Andriamanitra. Ary ireo manam-pahefana misy die efa vôtondron'Andriamanitra.2 Noho ijany ijay manohitra ijany fahefana ijany die manohitra ny didin'Andriamanitra; ary ireo je-manohitra ijany die hahajo fitsarana amin'ny tegnan'ijy ireo.3Satria ireo mpanapaka die tsy fampitahorana hônireo asa tsara, fa hônireo asa ratsy. Magniry ny tsy hangoaigna ny raike amin'ny fahefana ve anareo? Manôva ny tsara, die ho deraina amin'ny ijany ianao. 4Fa ijy die mpanompon'Andriamanitra hônareo amin'ny tsara. Fa laha magnano ratsy anareo, die matahora, satria tsy mitondra ny sabatra tsy amin'ny antony ijy. Fa ijy die mpanompon'Andriamanitra, mpamaly ny fahavignirana amin'ny ilay magnano ratsy. 5Noho ijany die tokony hagneke anareo, tsy nohon'ny havignirany mandy, fa nohon'ny fieritreretana mandy koa.6Noho ijany die mandoa hetra mandy koa anareo. Fa mpanompon'Andriamanitra ireo manam-pahefana, ijay miendrekitra ijany raha ijany tsy ankijanogna.7 Aloavy amin'ny tsirairay ijay tokony hônajy ireo: mandoava hetra amin'ny ijay tokony handoavana ijany; mandoava fadin-tseragnana amin'ny ijay tokony handoavana anajy; matahora amin'ny ijay tokony hatahorana; magnajà an'ijay sahaja ijany.8Aja managna trosa na amin'ija na amin'ija, hafa-tsy ny fifankatiavana mandy. Fa je-tia ny magnodidigna anajy die nahatanteraka ny lalàna: 9Rahabe ireo didy: "Aja mangala-badin'olo, aja mamono olo, aja mangalatra, aja mitsiriritre," ary laha misy didy hafa ankôtr'ireo koa, die vôfehy amin'ny toy fehezanteny toy ijany: " Tiavo ny akamanao hôtran'ny tegnanao."10 Ny fitiavana die tsy mandratra ny magnodidigna; noho ijany, ny fitiavana no fahatanterahan'ny lalàna.11Noho ijane, fantatrareo ny fotôgna, fa efa fotôgna hifohajanareo amin'ny torimaso sahady ijao. Fa ankehitriny efa magnakeky noho ijay ninôntsena tamin'ny vôlohany ny fagnavotana antsena. 12Mandroso ny aligna, ary magnarivo ny andro. Noho ijany andao hariena ireo asan'ny mejigna, ary andao antsena hisikigna ny fedien'ny fahajavana.13Andao hijotra amin'ny lalagna mahitsy, hôtran'ny amin'ny andro, fa tsy hôtran'ny amin'ireo firavoravôna tsy ampahamendrehana na koa ny hamamôna; ary andao tsy hienga amin'ny fahavetavetana na amin'ny filàna tsy vôfehy, ary tsy ho amin'ny fifanoherana na felognana. 14Fa misikina an'i Jesôsy Kristy Tompo, ary aja magnome hirika ho an'ny nofo, mba hagnomejana fahafaham-po ny filàny.
Chapter 14

1Reso aby na ijay malemy amin'ny finoana, aja mitsara momba ny tohan-kevitra. 2Ny olo raike die managna finôna hihinagna na ino na ino, fa ny raike hafa ijay malemy dia tsy mihinagna afa tsy legioma.3Öka ijay mihinagna ny raha abiaby tsy hagnamavo ijay tsy mihinagna ny abiaby; ary ijay tsy mihinagna ny abiaby koja tsy hitsara ijay hafa mihinagna ny abiaby. Fa Andriamanitra efa nagneky an'aje. 4Ija moa anao, anao ijay mitsara ny mpanompon'olon-kafa? Eo anatrehan'ny tompony ijy no mijoro na lavo. Fa hatsangagna ijy, satria ny Tompo dia afaka manangana an' ajy.5Ny olo raike die mihevitra fa misy andro tsara nohon'ny andro aby, Ny hafa koja die mihevitra fa mitovy ny andro abiaby. Avilao ny tsirairaike ho resy lahatra araka ny saigny aby. 6Ijay mandinike ny andro, die mandinike ijany ho an'ny Tompo; ary ijay mihinagna, die mihinagna ho an'ny Tompo, fa misaotra an'Andriamanitra ijy. Ijay tsy mihinagna, die mifady hanina ho an'ny Tompo, ijy mandy koa die misaotra an'Andriamanitra.7Fa tsy misy miaigna ho an'ny tegnany antsena, ary tsy misy maty ho an'ny tegnany. 8Fa raha miaigna antsena dia miaigna ho an'ny Tompo, ary laha maty antsena, die maty ho an'ny Tompo. Araka ijany na velogna antsena na maty, die an'ny Tompo. 9Fa ho amin'ijany antony ijany no nahafatesan'ny Kristy ary nahavelomany koa, mba hahaavy an' Aje ho sady Tompon'ny maty no tompon'ny velogna.10Fa anao, nahôna anao no mitsara ny rahalahinao? Ary anao, nahôna anao no malaigna ny rahalahinao? Fa antsena abiaby die mbola hijoro ho tsaraina eo ankatrehan'ny seja fiitsaranan'Andriamanitra. 11Fa efa vôsoratra hoe:"Laha mbola velogna koa Aho."hoy nyTompo" die hiforitre eo ankatrehako ny lohalika abiaby, ary ny lela abiaby die hidera an'Andriamanitra."12Noho ijany ary, antsena tsirairay aby die hagnano tatitre ny tegnany eo amin'Andriamanitra. 13Ka ôka antsena tsy hifampitsara koa, fa koja hanapaka an' ijao, mba tsy hisy hametrake vato mahatafintohigna na fandrike ho an'ny rahalahiny.14Mahafantatre iaho ary resy lahatre ao amin'ny Tompo Jesôsy, fa tsy misy madio amin'ny tegnany. Fa ho an'ijay mandray na ino na ino ho tsy madio fehijay, die tsy madio ijany ho an'aje. 15Satria laha malahelo nohon'ny amin'ny hanina ny rahalahinao, die tsy mandeha am-pitiavana koa anao. Aja simbaina nohon'ny haninareo ireo ijay namoejan'ny Kristy ny aigny.16Koa aja mamela ijay heverinareo ho tsara ho aratsiana. 17Fa ny fanjakan'Andriamanitra die tsy momba ny hanina sy rano fisotro, fa momba ny fahamarinana, fiadanana, ary fifaliana ao amin'ny Fanahy Masina.18Fa ijay manompo an'i Kristy araka ijany die ankasitrahan'Andriamanitra sy eken'ny olo. 19Noho ijany, ôka antsena hanohy ireo rahan'ny fiadagnana sy ireo raha ijay manefe ny tsirirairaike aby.20Aja simbaina nohon'y amin'ny hanina ny asan'Andriamanitra. Madio tokôtre ny raha abiaby fa ratsy ho an'ny olo ijay mihinagna an'aje ary mahaavy an'aje ho tafitohigna. 21Tsara ny tsy mihinan-kena, na misotro divay, na ny raha abiaby ijay mety hanafintohigna ny rahalahinao.22Ny finôna anagnao, tehirijo ao aminao sy Andriamanitra. Sambatra ijay tsy magnameloke ny tegnany amin'ijay ekeny. 23Ijay misalasala die meloke laha mihinagna, satria tsy tamin'ny finôna ijany. Ary na ino na ino tsy avy amin'ny finôna die fahotana.

Chapter 15

1Ary antsena ijay matanjake die tokony handefitra ny fahalemen'ny malemy, ary tsy tokony hambôtre ijay mahafinaritre ny tegnantsena.2 Aoka ny kiraidraike avy amintsena hambôtre ijay mahafaly ny mpiara-monigna aminy fa ijany no tsara, mba hanandratana an'aje.3Fa na Kristy tsy nambôtre ijay nahafinaritre ny tegnany. Fa koja, ijany die araka ny efa vôsoratra hoe: "Ny famingavingan'ireo jay mamingavinga anao die nidaboke tamin'ahe. 4Fa na ino na ino vôsoratra teo aloha die vôsoratre ho fampenarana antsena, mba amin'ny alaln'ny faharetana sy amin'ny alalan'ny fampaherejan'ny Soratra Masina no hanagnantsena toky.5Ary ny Andriamanitry ny fahadignasana sy fampaherejana anie hagnome fisaignana mitovy hôn'ny kiraidraike avy araka an'i Kristy Jesôsy.6 Ijy anie anao ijany mba ho amin'ny fisaignana raike sy amin'ny vava raike mandy no hideranareo an'Andriamanitre sy Aban'i Jesôsy Kristy Tompontsena . Noho ijany mifandresa, hôtran'ny nadresan'i7 Kristy anareo mandy koa aja, ho fiderana an'Andriamanitra.8Fa jakaiko fa Kristy die efa tonga mpanompon'ny vôfora hôn'ny fahamarignan'AdriamanitrA, mba hahafahana magnamarina ireo fampagnantenana ijay nomena ireo iaba, 9ary hôn'ireo Jentilisa mba hagnomejam-boninahitre an'Andriamanitra nohon'ny famindram-pone. Ijany die araka ny efa vôsoratra hoe: "Noho ijany die nagnome fiderana Anao eo amin'ireo Jentilisa Aho ary hihira fiderana ny agnaranao."10Bona vôlaja hatragny hoe: "Mifalifalia, miaraka amin'ny fokon'olo, ry Jentilisa." 11Ary koa hoe: "Derao ny Tompo, ry Jentilisa abiaby; abelao ny olo abiaby hidera an'Ajy."12Hoy indray, Isaia hoe: "Hisy vahan'ny Jese, ary ilay raike ijay hitsangagna handidy eo amin'ny Jentilisa. Hanagna fahatokisana amin'aje ireo Jentilisa."13Ary ny Andriamanitray ny fahatokisana anie hameno anareo amin'ny fifalena sy fedagnana abiaby amin'ny finôna, mba ho feno fahatokiana anareo, avy amin'ny herin'ny Fanahy Masina.14Ny tegnako ijao mandy koa die resy lahatre ny mahakasika anreo, ry rahalahy. Resy lahatra aho fa anareo mandy koa die feno fahatsarana, feno ny fahalalana abiaby. Resy lahatra aho fa anareo mandy koa die afaka mifagnanatre.15Fa manoratra am-pasahena aminareo aho mahakasike ireo raha saragne mba hampitadidiena anareo inadraike, nohon'ny fagnomejam-pahasoavana ijay nomen'Andriamanitra hon'ahe. 16Ijany fagnomejam-pahasoavana ijany die ny tokony mba hanompôko an'Kristy Jesôsy nalefa tagny Jentilisa, mba hanolotra hôtran'ny sorogna ny filajantsaran'Andiamanitra. Tokony hamboariko ijany mba ho ajo ekena ny fagnatitr'ireo Jentilisa, vôtokagn'ny Fanahy Masina.17Noho ijany ny hafaleko die ao amin'iKristy Jesôsy sy ireo rah'Andriamanitra.18 Fa tsy ho saky hivoria na ino na ino afa-tsy ireo raha vitan'i Kristy tamin'ny alalako hôn'ny fagniken'ireo Jentilisa aho. Ireo rah ireo die vita tamin'ny jaka sy asa, 19tamin'ireo herin'ny famantarana sy fahagagana, ary tamin'ny herin'ny Fanahy Masina. Ijany die mba avy agny Jerosslema, sy lavidavitra hôtran'i Ilyrikioma, no ahafahako magnatanteraka ny filajantsaran'i Kristy.20Amin'ijany, ny fagnireko die ny hagnambara ny filajantsara, fa tsy agny amin'ijay ahafantarana an'i Kristy amin'ny agnarana, mba tsy hagnorenako eo amin'ijay efa nagnorenako ny hafa. 21Ijany die araka ny vôsoratra hoe: "Tamin'ireo ijay tsy nijakana an'Aje no hahita an'Aje,ary ireo ijay tsy naharegny no hahajo."22Noho ijany mandy koa die vôsakagna matetika tsy ho agny aminareo aho.23 Fa amin'ijao fotôgna, tsy managna toerana amin'ireo faritra ireo koa aho, ary taogna maro no efa nagnireko mahare ho agny aminareo.24Noho ijany na ovena na ovena andihanako agny Espana, die magnantena aho ny hahita anareo abiaby mandalo, ary haterinareo agny amin'ny andihanako, laha avy nankafy ny fiarahanareo vetivety Aho. 25Fa amin'ijao fotôgna ho agny Jerosalema aho hanompo ireo mpino.26Fa fifalen'i Makedonia sy Akaia ny hambôtre fandresana anjara hôn'ireo misotry isan'ireo mpino ijay agny Jerosalema.27 Ieke, fifalena hôn-dreo ijany,ary, mpitosa amin'aje marina areo. Fa laha ny Jentilisa no nijara tamin'ny raha masignan-dreo, die tokony hanompo an'ajy ireo mandy koa areo amin'ireo raha ara-pitôvana.28Noho ijany, laha notantirahiko ijao asa ijao ary nagnamafy fa vôrain-dreo ny vokatre ijay navory, die ho agny Espaina aho ary hamangy anareo amin'ny lalako. 29Fantatro fa laha mandeha agny aminareo aho die hiditre amin'ny fahafenôn'ny fitahian'i Kristy.30Amin'ijao fotôgna mandrisika anareo aho, ry rahalahy, amin'i Jesôsy Kristy Tompontsena, sy amin'ny fitiavan'ny fagnahy, mba hiaraka hiady amin'ahe anareo amin'ny vavaka amboarinareo amin'Andriamanitra hon'ahe. 31Mivavaha mba ho avotra amin'ireo ijay tsy magneke agny Jodia aho, ary mba heken'ireo mpino ny fanompôko ho an'i Jerosalema.32 Mivavaha mba heveko aminareo amin-kafalena amin'ny sitrapon'Andriamanitra, ary mba hahafahako, mahita ny fijanognana, miaraka aminareo.33Andiamanitry ny fedagnana anie homba anareo abiaby. Amena.
Chapter 16

1Apetrako aminareo i Foiby anankavintsena, ijay mpanompon'ny fengonana agny Kenkrea, 2 mba handresanareo an'ajy ao amin'ny Tompo. Atôvy ijany amin'ny fomba maha mpino, die magnatreha an'ajy amin'ijay raha mety irombejany ny fagnampianareo. Fa ijy rery mandy koa die nanjary mpagnampy ny maro, ary ny tegnako mandy koa.3Manôva veloma an'i Prisila sy Akoila, mpiara-miasa amin'ahe ao amin'ny Kristy Jesôsy, 4ijay nahafoy ny ain-dreo hôn'ahe. Misôtra an-dreo iaho, ary tsy iaho mande, fa ireo fengonana abiabin'ny Jentilisa mandy koa.5 Manôva veloma ny fengonana ijay ao amin'ny tragnon-dreo. Manôva veloma agny amin'i Epaineto malalako, ijay vôloham-bokatr'i Asia hôn'i Kristy.6Manôva veloma an'i Maria, ijay niasa mafy hônareo. 7Manôva veloma an'i Androniko sy Jonia, havako akeke, ary niara-nigadra tamin'ahe. Malaja eo afovôn'ireo apôstôly areo, sady tao amin'ny Kristy talohako mandy koa. 8Manôva veloma an'i Ampliato, malalako ao amin'ny Tompo.9Manôva veloma an'i Orbano, mpiara-miasa amintsena ao amin'i Kristy, sy Staky, malalako. 10Agnontanio Apela, ilay ankasitrahana ao amin'i Kristy. Agnontanio aby ijay ao andragnon'i Aristobolo. 11Manôva veloma an'i Herodiona, havako. Manôva veloma an'ireo ijay ao andragnon'i Narkisa, ijay ao amin'ny Tompo.12Manôva veloma an'i Tryfena sy Tryfosa, ijay miasa mahare ao amin'ny Tompo. Agnontanio Perysa malala, ijay niasa mahare tao amin'ny Tompo. 13Manôva veloma an'i Rofosy, ijay vôfidy tao amin'ny Tompo, ary iendrine sy iendriko. 14Manôva veloma an'i Asynkrito, Flegona, Hermesy, Patroba, Herma, ary ireo rahalahy ijay miaraka amin-dreo.15Manôva veloma an'i Filologia sy Jolia, Nerea sy ny anakavine, sy Olimpa, ary ireo mpino abiaby miaraka an-dreo. 16Mifanôva veloma amin'ny fifagnorohana masina. Ireo fengonan'i Kristy abiaby die magnano veloma anareo.17Amin'ijao fotôgna madrisika anareo aho, ry rahalahy, mba hieritreritra ny mahakasika ireo ijay mahatonga ny fijarajarana sy ny fanafintohignana. Areo die mihôtra lavitra ny fampenarana ijay vôrainareo. Mengà lavitra an-dreo. 18Fa tsy mpanompon'i Kristy Tompontsena ny olo hotran'iregny, fa ny trokane manokagna mandy. Amin'ny teny malefaka sy tsara lahatra no amitahan-dreo ny fon'ny tsy manan-tsigny.19Fa ny ohatrareo amin'ny fagnajana die avy agny amin'ny olo abiaby. Noho ijany, mifaly iaho,ny aminareo, fa tieko mba ho kante amin'ijay tsara anareo, ary tsy hanantsigny amin'ijay ratsy. 20Andriamanitry ny fedagnana hamotipotika an'i Satana eo ambanin'ny tongotrareo afaka fotôgna vitsivitsy. Hôminareo anie ny fahasoavan'i Jesôsy Kristy Tompontsena.21Timoty, mpiara-miasa amin'ahe, die magnano veloma anareo, sy Losio, Jasona ary Sosipatro, havako. 22Iaho, Tertio, ijay nanoratra itoy epistily itoy, die magnano veloma anareo ao amin'ny Tompo.23Gaio, ilay mpampetragno an'ahy sy ny fengonana abiaby, die magnano veloma anareo. Erasto, mpitam-bola ao amin'ny tanàna, die magnano veloma anareo, miaraka amin'i Koarto ilay rahalahy. 24[Fagnamarihana: Ny fandikana taloha tsara indrindra die magnala itoy andininy itoy. (jahay ny Romana 16: 20). and 24: "Hôminareo abiaby anie ny fahasoavan'ny Jesôsy Kristy Tompontsena. Amena."]25Ary ny voninahitra die hôn'aje ijay mahavita mampitraka anareo araka ny filajantsarako sy ny filajana an'i Jesôsy Kristy, araky ny fijakana ny raha-mivony ijay nitanana ho tsembaratelo ela be tagny aloha tagne, 26kanefa nijakaina amin'ijao fôtogna, ary tamin'ny alalan'ny bokin'ny faminanena no nampahalalana tamin'ny firenena abiaby, araka ny didin'Andriamanitra mandrakijay, ho fagnajana ny finôna.27Hôn'ilay Andriamanitra tokan'ny fahendrena, anie ny voninahitra mandrakijay, amin'ny alalan'ny Jesôsy Kristy. Amena

1 Corinthians

Chapter 1

1Paoly, nangihin'i Jesôsy Kristy mba ho Apostoly nohon'ny sitrapon'Andriamanitra, sy Sostena rahalahintsena, 2ho an'ny fiangonan'Andriamanitra ao Korinto, ho an'ny jay nohamasinina tao amin'i Kristy Jesôsy, jay vôantso ho olo masina. Manoratra ho an'ny abiaby jay mangaike ny agnaran'i Jesôsy Kristy Tompontsena amin'ny toerana aby mandy koa ahay, die Tompon'dreo sy antsena.3 Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana laha tamin'Andriamanitra Iabantsena sy Jesôsy Kristy Tompo.4Iaho die nagnome fisôrana ho an'Andriamanitrako anareo fehijay nohon'ny fahasoavan'Andriamanitra jay nomen'i Jesôsy Kristy anareo. 5Nataone nanankarena tamin'ny fomba aby anareo tamin'ny fijaka manontolo sy ny fahalalana aby,6 raha vô porofo teo aminareo fa marina ny fagnambatana momban'i Kristy.7Noho ijany anareo die tsy ory fonomezam-pahasoavana eo am-pandigniasanareo mafy ny fagnambarana an'i Jesôsy Kristy Tompontsena. 8Ijy mandy koa die hampahery anareo hatramin'ny farany, mba tsy hanan-tsiny anareo amin'ny andron'i Jesôsy Kristy Tompontsena.9 Mahatoky Andriamanitra, jay nangaike anareo ho amin'ny firaisana amin'ny Janany lahy, Jesôsy Kristy Tompontsena.10Ankehitriny die mampirisike anareo iaho, ry rahalahy, amin'ny agnaran'i Jesôsy Kristy Tompontsena, mba hifanaraka anareo abiaby, die tsy hisy fisarahana eo aminareo. Mpampirisika iaho mba hikambana amin'ny saina mitovy sy tanjona mitovy anareo.11 Fa efa natao mazava taminahy, ry rahalahy tamin'ny alalan'ny vahôkan'i Kloe fa'misy'fifampiandaniana eo aminareo.12Ny tiako jakaina die ijao: Ny tsiaraidraike amainareo samy manao hpe: ''Iahao miaraka amin'i Paoly," na "Iaho miaraka amin'i Apolosy," na "Iaho miaraka amin'i Kefasy," na ,"Iaho miarake amin'i Kristy.''13 Vôzarazara ve Kristy? Paoly ve no nomboana ho anareo? Tamin'ny agnaran'i Paoly ve no nagnanaovana batisa anareo?14Misaotra an'Andriamantra iaho fa tsy nisy nataoko batisa anareo, afa-tsy Krispo sy Gaio. 15Ijany die mba tsy hafahan'ija na ija mijaka hoe tamin'ny agnarako no nagnanaovana batisa anareo. 16(Iaho mandy koa die nanao batisa ny ankohonan'i Stefanasy. Ny ankôtra ijay, tsy fantatro raha nanao batisa olon-kafa iaho.)17Fa Kristy tsy naniraka anahy mba hampagnano batisa fahitory ny filajantsara. Ijy tsy nandefa anahy hitory amin'ny tenin'ny fahendren'ny olombelona, mba tsy ho fôgna ny herin'ny hazofijalian'i Kristy.18Fa ny hafatre momba ny hajo fijaliana die hamôlana amin'ny ijay ho faty. Fa eo amin'ny jay ho vonjen'Andriamanitra koja, die herin'Andriamanitra ijany. 19Fa vôsoratre hoe: ''Ho potehiko ny fahendren'ny kanty. Ho foagnako ny fahalalan'ny mahay.''20Aija ny olon-kanty? Aija ny manam-pahaizana? Aija ny mpiady hevitre an'ijao tontolo ijao? Moa tsy navadik'Andriamanitra ho fahadalana ve ny fahnedren'ijao tontolo ijao?21 Satria tsy nahalala an'Andriamanitra ijao tontolo ijao tao amin'ny fahzndreny, die sitra''Andriamanitra ny hamonjy ny jay mino amin'ny alalan'ny hamôlan'ny fitoriana.22Fa ny Jiosy die mangataka famantarana mahajendagna die ny Grika mandrembe fahendrena. 23Fa ahay mitory an'i Kristy voahombo, jay vato fanafintohinana ho an'ny Jiosy ny hamôlana ho an'ny Grika.24Fa ho an'ny jay nangihan'Andriamanitra, ny Jiosy sy ny Grika, die mitory an'Kristy hôtra ny hery sy fahendren'Andriamanitra ahay. 25Fa ny fahamôlan'Andriamanitra die kanty noho ny olo, die ny fahalemen'nAndriamanitra die matanjaka noho ny olo.26Hevero ny fagnangehana anareo, ry ralahy. Tsy maro taminareo no kanty raha ny amin'ny maha olombelona. Tsy maro taminareo no nahery. Tsy maro taminareo no avo firazanana. 27Fa Andriamanitra die nisafidy ny raha adalan'ijao tontolo ijao mba hampahamenatra ny kanty. Andriamanitra die nisafidy jay malemy eo amin'ijao tontolo ijao mba hampahamanatra ny matanjaka.28Andriamanitre die nosafidy jay ambany sy hamavoina eto amin'ijao tontolo ijao. na Ijy aja die nifidy ny raha jay noheverina ho tsinotsinona ny raha jay atao ho manda-batrake.29 Nataony ijany mba tsy hisy hanana antony hireharehana eo anatrehany.30Nohon'ny nataon'Andriamanitra, ankehitriny anareo die ao amin'i Kristy Jesôsy, jay lasa fahendrena ho antsena laha tamin'Andriamanitra. Ijy die lasa fahamarinantsena, famasinantsena ary fahafahantsena. 31Vokatr'ijany, araka ijay vôlazan'ny Soratra Masina hoe: ''Ôka jay mirehareha, hirehareha ao amin'ny Tompo.''
Chapter 2

1Laha negneo aminareo iaho, ry rahalahy, die tsy avy niaraka tamina lahateny na fahendrena iaho laha nagnatoro ny misitery mahakasika an'Andriamanitra. [Fagnamarihana: Ny dikan-teny maro hafa die mivaky hôtran'ijao hoe: ''Laha nagnatoro ny fijorôna vavolombelogna mahakasika an'Andriamanitra iaho.''] 2Fa nanapa-kevitra tsy hahalala n'ino n'ino iaho laha teo aminareo, hafa-tsy Jesôsy Kristy,sy Ijy vôfantsinke.3Ary niaraka taminareo iaho teo amin'ny fahalemena, sy teo amin'ny tahotre, ary teo amin'ny fangorohoroana makadiry. 4Ary ny hafatrako sy ny fagnambarako die tsy tamin'ny teny fandresen-dahatre ny fahendrena. Fa koja, tamin'ny fanehoan'ny Fagnahy sy ny hery, 5mba tsy ho ao amin'ny fahendren'olombelogna ny finoanareo, fa ao amin'ny herin'Andriamanitra.6Amin'ijao fotôgna die mivoria fahendrena eo amin'ireo matotre antsena, fa tsy ny fahendren'ijao tontolo ijao, na ny an'ireo mpanapak'ijao vaninandro ijao, ijay mandalo mandy. 7Fa koja, mivoria ny fahendren'Andriamanitra amin'ny fahamarignana mivony antsena, ilay fahendrena mivony ijay nitondroin'Andriamanitra meloha talohakan'ireo vaninandro abiaby ho voninahitrantsena.8Tsy nisy tamin'ireo mpanapak'ijao andro ijao no nahafantatre io fahendrena io, fa laha nahatakatre ijane areo tamin'ijane fotôgna ijane, die tsy ho nifantsihan-dreo ilay Tompon'ny voninahitre. 9Fa arak'ijay vôsoratra hoe: ''Ireo raha ijay tsy nisy maso nahita, tsy nisy sofigna naharegny, tsy nisy eritreritre nahajo sary an-tsaigna, ireo raha ijay nomagnin'Andriamanitra hôn'ireo tia an'Aje.''10Ireo ny raha nasehon'Andriamanitra taminay tamin'ny alalan'ny Fagnahy. Fa ny Fagnahy die mandremby ny raha abiaby, na die ireo raha lalignan'Andriamanitra aja. 11Fa ija no mahafantatra ny fisaignan'olo raike hafa-tsy ny fagnahin'olo amin'ajy ao? Arak'ijane koa, tsy misy mahafantatre ireo raha lalignan'Andriamanitra hafa-tsy ny Fagnahin'Andriamanitra.12Fa tsy nandray ny fagnahin'ijao tontolo ijao antsena, fa ny Fagnahy ijay avy amin'Andriamanitra, mba hafahantsena mahafantatra ireo raha omena antsena maimaimpôgna avy amin'Andriamanitra.13 Mijaka mahakasika ireo raha ireo amin'ny jaka ijay tsy hain'ny fahendren'olombelogna ampenarina ahay, fa ijay ampenarin'ny Fagnahy anay. Ny Fagnahy no mandika ny teny ara-pagnahy miaraka amin'ny fahendrena ara-pagnahy.14Ny olo ijay tsy ara-pagnahy die tsy mandray ireo raha ijay an'ny Fagnahin'Andriamanitra, satria fahamôlàna amin'aje iregne. Tsy afa-mahalala an'iregne ijy satria famantarana ara-pagnahy iregne. 15Ijay ara-pagnahy die mitsara ny raha abiaby, fa tsy iharan'ny fitsarana hafa ijy. 16''Fa ija no afa-mahalala ny fisaignan'ny Tompo, no ho afake hampianatra an'Aje?'' Fa ahay die managna ny fisaignan'i Kristy.
Chapter 3

1Ary Iaho, ry rahalahy, die tsy afaka nijaka taminareo hôtran'ny olo ijay ara-pagnahy, fa koja hôtran'ny olo ara-nofo, hôtran'ny jajabitike ao amin'ny Kristy. 2Nofahanako ronono anareo, fa tsy ventin-kanina, satria tsy vonona tamin'ijany anareo; ary na ankehitriny aja die mbola tsy vognona amin'ijany anareo.3Satria anareo mbola araky ny nofo. Fa na aia misy fasarotam-piaro sy fifandirana eo aminareo, die tsy miaigna araky ny nofo ve anareo, ary tsy mandeha amin'ny fenitry ny olombelogna? 4Fa laha misy raike mijaka hoe:'' Iaho magnaraka an'i Paoly,'' ary ny raike mijaka hoe:'' Iaho magnaraka an'i Apolôsy,'' die tsy miaigna hôtran'ny olombelogna mandy ve anareo? 5Ija ary Apolôsy? Ija Paoly? Mpanompo ijay tamin'ny alalany no ninoanareo, ijay nomen'ny Tompo asa avy.Iaho no namboly, Apôlosy no nanondraka, fa Andriamanitra no nampitombo. Ka noho ijany, na ijy mamboly na ijy ijay manondraka die tsy misy dikany. Fa Andriamanitra no mampitombo.8Fa ijy ijay mamboly sy ijy ijay manondrake die raike, ary ny kiraidraike die samy hahajo ny karamany avy araka ny asany.9 Fa ahay die mpiara-miasa amin'Andriamanitra, sy tranon'Andriamanitra.10Araka ny fahasoavan'Andriamanitra ijay nomena an'ahy hôtran'ny mpagnano trano mahay, die nametrake ny fototra aho ary hafa no magnorigna eo amboniny. Fa aoka ny lelahy kiraidraike hitandrigna ny amin'ny fomba hanoregnany eo amin'ijany. 11Fa tsy misy olo mametrake fototre afa-tsy ilay raike ijay napetrake, ijany hoe, Jesôsy Kristy.12Ankehitriny laha misy olo magnorina eo ambonin'ny fototre amin'ny volamena, volafotsy, vato sarobidy, hajo, bojake, na tovo hindy, 13die habôke ny asany, fa ny andro majava no hagnatoro an'ijany. Satria habôke amin'ny afo ijany. Ny afo no hitsapa ny hatsaran'ny nataon'ny kiraidraike.14Laha mitoetra ny asan'ilay olo, die hahajo valisoa ijy; 15fa laha may ny asan'ilay olo, die ho fatiantoke ijy, fa ijy tegnany die ho vonjena, hôtrin'ny ny nitsôke tamin'ny afo mandy.16Tsy fantatrareo ve fa anareo die tempolin'Andriamanitra ary Fanahin'Andriamanitra no mitoetra ao aminareo? 17Laha misy olo manimba ny tempolin'Andriamanitra, die hanimba ijany olo ijany Andriamanitra. Fa masina ny tempolin'Andriamanitra, ary hôtran'ijany koa anareo.18Aja avela hisy olo hamita-tena. Laha misy olo eo aminareo mihevitre fa hendre ijy amin'ijao vanim-potôna ijao, avelao ijy ho lasa "môla" amin'ijay mba mety ho lasa hendre ijy. 19Fa ny fahendren'ijao tontolo'ijao die fahamôlana eo amin'Andriamanitra. Satria vôsoratra hoe: "Nahatratre ny hendre tao amin'ny hafetsen-dreo Ijy." 20Ary koa hoe: "Ny Tompo die mahalala fa ny fihevitry ny hendre die raha fahatany."21Noho ijany tsy misy fireharehana momban'ny olo koa! Fa ny raha abiaby die anareo, 22na Paoly, na Apôlosy, na Kefasy, na ijao tontolo ijao, na fiaignana, na fahafatesana, na raha ankehitriny, na raha ho avy. Ny raha abiaby die anareo, 23ary anareo, die an'i Kristy, ary Kristy die an'Andriamanitra.
Chapter 4

1Hötran'ijao no tokony handresan'ny olo antsena, hötran'ny mpanompon'i Kristy ary mpitandrigna ireo misterin'Andriamanitra.2 Amin'izany fifandresana ijany, die fepetra takiana amin'ireo mpitandrigna ny maha mendri-pitokisana an-dreo.3Fa amin'ahe die raha bitike die bitike ny tokony hitsaranareo na hitsaran'olombelogna abiaby an'ahy. Fa na iaho aja tsy mitsara ny tegnako. 4Iaho die tsy mahafantatre ijay fiampangana natao tamin'ahy, fa ijany die tsy midika fa tsy manan-tsiny iaho. Ny Tompo no mitsara an'ahy.5Noho ijany, aja manognona fitsarana momban'ny raha abiaby mialohan'ny fotögna, mialohan'ny hiavian'ny Tompo. Ijy die hitondra ireo raha mivonin'ny henjigna ho amin'ny fahajavana ary hagnaböke ny fikasan'ny fo. Avy eo ny kiraidraike avy die handray ny fiderany avy amin'Andriamanitra.6Ankehitriny ry rahalahy, nampihatra ireo fitsipika ireo tamin'ahy sy tamin'ny Apolosy iaho nohon'ny aminareo, mba hafahanareo mianatra avy aminay ny dikan'ny fijakana hoe: "Aja mandeha mihötre ijay vösoratra." ijany die mba tsy hisy raike aminareo hirehareha ny amin'ny fankasitrahana ny raike noho ny hafa. 7Fa ija no mahita fahasamihafana eo aminareo sy ireo hafa? Ino no anagnanareo ka tsy noraisinareo maimaimpogna? Laha nandray an'ijany maimaimpoagna anareo, nahöna anareo no mirehareha hötrany tsy nagnano hötran'ijany?8Efa anagnanareo aby ijay abiaby tadiavanareo! Ary efa nanomboka nanjaka anareo--ary ijany die tsy avy taminay! Iaho die magniry tokötre ny nanjakanareo, mba hafahanay manjaka miaraka aminareo. 9Fa iaho die mieritreritre fa Andriamanitra die nametrake antsena ho apostoly miharihary hotrin'ny farany amin'ny laharana hotrin'ny olo voaheloka ho fate. Ahay die lasa fampisehoana ho an'ijao tontolo ijao--ho an'ireo anjely, ary ho an'ny olombelogna.10Ahay die möla nohon'ny amin'i Kristy,fa anareo die hendre ao amin'ny Kristy. Maleme ahay, fa anareo mahere. Anareo die nomem-boninahitra, fa ahay koja tsyˋnalaim-baraka.11 Mandrak'ankehitriny ahay die mosaregna sy maka, misotry fitafy, vökapoka mafy, ary tsy manann-kialofana.12Miasa mahare ahay, miasa amin'ny alalan'ny tananay mandy. Laha latsaina ahay, die miaritre. 13Laha hanjahina ahay, die mitso-drano. Laha voaendrikendika ahay, die mijaka amin-katsaram-panahy. Ahay die niova, ary mola resina ho, fakon'ijao tontolo ijao sy faikan'ny raha abiaby.14Iaho die tsy nanoratre ireo raha ireo mba hahamegnatre anareo, fa manitsy anareo hötrin'ny janaka malalako. 15Fa na die mangna mpiambigna iray aligna ao amin'ny Kristy aja anareo, die tsy managna aba marobe. Fa iaho die lasa iabanareo ao amin'ni Kristy Jesösy tamin'ny alalan'ny filazantsara.16 Noho ijany die mamporisike anareo iaho mba mpangala tahake an'ahy.17Ijany no nadefasako anareo an'i Timoty, janaka malalako sady mahatoky ao amin'ny Tompo. Ijy die hampahatsiaro anareo ireo lalako ao amin'ny Kristy, hötrin'ny ampianarako an-dreo na aia na aia sy ao amin'ny fiangonana abiaby. 18Ankehitriny die lasa miavogna ny saragne aminareo, magnano hötrin'ny hoe tsy ho avy agny aminareo iaho.19Fa ho avy tsy ho ela any aminareo iaho, laha sitraky ny Tompo. Ary tsy hahafantatra ny vorian'ireo ijay tena miavogna fotsine iaho, fa hahita ny herin-dreo.20 Satria ny fanjakan'Andriamanitra die tsy mifototre amin'ny voria fa amin'ny hery.21 Ino no rombejinareo? Tokone ho avy agny aminareo miaraka amin'ny tsorakajo ve iaho sa miaraka amin'ny fitiavana feno halemem-pagnahy?
Chapter 5

1Ahay die naharegny tatitre fa misy fijangajangana teto aminareo, karajagna fitondran-tegna tsy mendrike ijay tsy ajo atao mihintsy teo amin'ny jentilisa. Ny tatitre die hoe misy raike taminareo niaraka natory tamin'ny vadin'iabane. 2 Anareo die tena miavognavogna! Fa tsy tokony alahelo ve anareo? Ny raike ijay nagnano ijany die tsy mentsy alàna eto aminareo.3Fa na die tsy eo aja ny vatako nefa teo mandy ny fagnahiko, die efa nitsara sahady ny raike ijay nagnano ijany iaho, hôtrany hoe teo iaho.4 Laha efa miara-mivory amin'ny anaran'i Jesôsy Tompontsena, efa nitsara io olo io sahady iaho.5 Namboariko ijany mba hagnomejako ijany lelahy ijany ho an'ny Satana ho fanimbana ny nofo, mba ho vôvonjy ny fagnahine amin'ny andron'ny Tompo.6Tsy tsara ny fireharehanareo! tsy fantatrareo ve fa ny masimasigna kele die magnova ny mofo aby daholo? 7Diovy ny tegnanareo amin'ny masimasigna taloha mba ho tonga mofo vaovao anareo. Fa Kristy, ny Janak'ondrintsena tamin'ny Paska, die efa natao sorogna. 8Noho ijany die ôka antsena hankalaja ny fifalefalena, tsy amin'ny masimasigna taloha, ny masimasigna ny fitondrategna ratsy sy faharatsena. Fa koja, ôka antsena hankalaja amin'ny mofo tsy misy masimasignan'ny fahadiovam-po sy fahamarinana.9Iaho die nanoratra hônareo tao amin'ny taratasiko mba tsy herahanareo miasa amin'ny olo mpijangajanga.10 Nefa tsy ny olo mpinjangajanga aby daholo eto amin'ijao tontolo ijao, na ny mpitsiriritre, na ny mpisoloky, na ny mpanompy sampy, fa laha ijay die mila miala amin'ijao tontolo ijao anareo.11Nefa ankehitriny iaho manoratre hônareo mba tsy hiara-hiasa miaraka amin'ija n'ija ijay angihina hoe rahalahy nefa miaigna ao anatin'ny fijangajangana, na ijay mpitsiriritra, na ijay mpanompo sampy, na ijay mpiteny ratsy, na ijay mpamarandro, na ijay mpisoloky. Aja mihinagna hanina miaraka amin'ijany mihintsy.12 Fa ahôna no idirako amin'ny fitsarana areo ijay agny ivelan'ny fengonana? Mifanohitra amin'ijane, anareo ve tsy mitsara ireo ijay ao agnatin'ny fengonana?13 Fa Andriamanitra die mitsara ireo ijay agny ivelane. "Alay eo aminareo ny olon-dratsy."
Chapter 6

1Laha efa misy raike aminareo managna ady amin'iraika hafa, sahy handeha agny amin'ny fitsarana eo anatrehan'ny mpitsara tsy mpino ve ijy, fa tsy eo anatrehan'ny mpino? 2Ngaha tsy fantatrareo ve fa ireo mpino no hitsara an'ijao tontolo ijao? Laha ijany, anareo no hitsara an'ijao tontolo ijao, ngaha tsy mahavita mandamigna raharaha madinika ve anareo? 3Ngaha tsy fantrareo ve fa hitsara ireo anjely antsena? Hôtrany ino, noho ijany, ny fihoaran'ny fahafahantsena mitsara ny raharaha amin'ity fiainana ity?4Laha hôtra ary ka afaka mitsara ny raha ijay miseho amin'ny andavanandrom-piaignana anao, nagnino anao no mametraka karajana tranga hôtrany ijany eo agnatrehan'ny ija tsinotsinona ao amin'ny fengonana? 5Hahamegnatra anareo no hilajako ijany. Moa ve tsy mba misy ampy fahendrena na die raike akory aja eo aminareo handamigna ny disadisa eo amin'ny mpirahalahy? 6 Fa koja, misy mpino hafa eo amin'ny fitsarana, ary ijany raharaha ijany die hapetraka eo anatrehan'ny mpitsara ijay tsy mpino!7Ny fisian'ny ady eo aminareo Kristianina rehetra die efa faharesena hônareo sahady. Fa tsy aleo ve mijaly amin'ny fahadisoana? Fa tsy aleo ve avela ho vôfitaka ny tegnanareo? 8Fa anareo die nandiso sy namitaka ny hafa, ary die rahalahinareo mandy areo!9Ngaha ve tsy fantatrareo fa ny tsy marina die tsy handova ny Fanjakan'Andriamanitra? Aja mino vande. Ny vetaveta, ny mpanompo sampy, ny mpijangajanga, ny lelahy mpivaro-tegna, 10ny mpangalatra, ny tsy mahalala onogna, ny mpimamo, ny mpagnaratsy, ny mpanao an-keriny—tsy misy raike amin'dreo handova ny fanjakan'Andriamanitra.11 Hôtrany ijany ny saragny aminareo. Fa efa vôdio anareo, nohamasinina anareo, ary vômarina teo amin'Andriamanitra anareo tamin'ny anaran'ny Tompo Jesôsy Kristy sy tamin'ny Fagnahin'Andriamanitsena.12Ny javatra rehetre die ara-dalàna aminahe," fa tsy ny javatra rehetra no mahasoa. "Ny javatra manontolo die ara-dalàna amin'ahe," fa tsy handivojin'ny raike amindreo i aho. 13''Ny rahanina die hôn'ny troke, ary ny troke die natao hôn'ny rahanina,'' fa Andriamanitra die hagnafôgna anajy roe io. Ny vatagna die tsy natao hôn'ny fijangajangana. Fa koja, ny vatagna die natao hôn'ny Tompo, ary ny Tompo die hagnome hôn'ny vatagna.14Andriamanitra die efa nanangagna ny Tompo sady hanangagna antsena amin'ny heriny koa.15 Ngaha tsy fantatrareo ve fa ny tegnanareo die ratsam-batagn'i Kristy? Ka hindako ve ijany ny ratsam-batagn'i Kristy ary hampitambatra an'dreo amin'ny mpivaro-tegna? Tsy hisy anie ijane!16Ngaha tsy fantatrareo ve fa ijay miraike amin'ny mpivaro-tegna die lasa raike aminaje? Hôtrany vôlajan'ny Soratra Masina hoe: "Ho nofo raika mandy ijy roe." 17Fa ijy ijay miray amin'ny Tompo die lasa fagnahy raika Aminaje.18Elao ny fijangajangana! Ny fahotana manontolo hafa ijay ataon'ny olo die ivelan'ny tegna, fa ny olo mpijangajanga die manota ho amin'ny tegnany mandy.19Ngaha ve tsy fantatrareo fa ny vatagnareo die fengonan'ny Fanahy Masina, ijay monigna ao agnatireo, ijay ajonareo avy amin'Andriamanitra? Ngaha tsy fantatrareo? 20Fa olom-bôvidy anareo. Noho ijany die mankalajà anAndriamanitra amin'ny tegnanareo. [Fagnamarihana: Io dika-teny taloha saragny die mivaky hôtran'ijao hoe: "Noho ijany mankalajà an'Andriamanitra amin'ny tegnanareo sy amin'ny fagnahinareo, ijay an'Andriamanitra." Fa ny dika-teny tsara indrindra die tsy mivaky hôtran'io.]
Chapter 7

1Ary mikasika ireo olagna ijay nisoratanareo momban'ny hoe: "Tsara hôn'ny lelahy ny tsy mikitike viave."2 Nefa noho ireo fakam-pagnahy amin'ny fivetavetana maro isan-karajane, die tokone hanagna ny vadine manokagna aby ny lelahy kiraidraike, ary ny viave kiraidraike die tokone hanagna ny vadine manokagna aby.3Ny lelahy die tokone hagnome ireo zo ara-panambadiena hôn'ny vadine, ary hôtran'ijane koa ny viave hôn'ny vadine. 4Tsy ny viave no managna fahefana amin'ny vatagne manokagna, fa ny vadine. Hôtran'ijane koa, tsy ny lelahy no managna fahefana amin'ny vatagne manokagna, fa ny vadine no managna.5Aja mifanakasakagna anareo kiraidraike, hafa-tsy amin'ny fifagnekena nifanôvana ary amin'ny fotôgna vôtokagna. Amboary ijane mba hafahanareo manokan-tegna amin'ny vavake. Avy teo die tokone hiara-hatory indraike anareo, mba tsy hafahan'ny Satana magala fagnahy anareo nohon'ny tsy fanagnanareo fifehejan-tegna.6 Kanefa iaho die mivoria ireo raha ireo aminareo an-kalalahana fa tsy didy mihitsy. 7Tiako ny olo abiaby hitovy amin'ahe. Fa ny kiraidraike die samby managna ny fagnomejam-pahasoavana manokagna avy amin'Andriamanitra. Ny raike managna itiky karajam-pagnomejam-pahasoavana itiky, ary ny raike hafa managna karajane hafa koa.8Hôn'ireo ijay tsy manambady sy ireo mpitondrategna die mijaka iaho fa tsara hôn-dreo laha mijanogna tsy manambady areo, mitovy amin'ahe. 9Kanefa areo laha tsy afake mamehy tegna, die tokone hanambady. Satria tsara loholoho hôn-dreo ny manambady tojay ampirehetin'ny filàna ara-nofo.10Ary hôn'ireo ijay manambady die magnome ijao didy ijao iaho-tsy iaho, fa ny Tompo-ny viave die tsy tokone hisarake amin'ny vadine, 11(fa laha ohatra ijy ka misarake amin'ny vadine, die tokone hijanogna tsy hanambady na koa mipody mihavana amin'ny vadine)-ary ny lelahy die tsy tokone hisarake amin'ny vadine.12Fa hôn'ny sisa die mivoria iaho-iaho, fa tsy ny Tompo-hoe laha misy rahalahy raike managna vady tsy mpino, ary laha mahafaly an'aje ny miara-miaigna amin'aje, die tsy tokone hisaraka amin'ny vadine ijy. 13Laha ny viave raike no managna vady tsy mpino, ary laha mahafaly an'aje ny miara-mihinagna amin'aje, die tsy tokone hisarake amin'ny vadine ijy. 14Satria ny lelahy tsy mpino die natokagna noho ny amin'ny vadine, ary viave tsy mpino die natokagna nohon'ny amin'ny rahalahy. Fa laha tsy ijane die ho maloto ny janakareo, nefa laha ny marina die efa vôtokagna areo.15Fa laha ny vady tsy kristianina no mienga, abilay ijy handeha. Amin'ny toe-draha hôtran'ijane, ny rahalahy na rahavave die tsy vôfehin'ireo voadin-dreo. Andriamanitra die nangaike antsena mba hiaigna am-pedagnana. 16Fa amin'ny fomba akory no alalanao, ra viave, laha ho vôvonjinao ny vadinao? Na amin'ny fomba akory no alalanao, ra lelahy, laha ho vôvonjinao ny vadinao?17Fa abilay fotsine ny kiraidraike aby hiaigna ny fiaignana ijay efa nanondroan'ny Tompo an'aje, ary araka ny efa nangehan'Andriamanitra an'aje. Io ny fitsipikako ao amin'ny fengonana abiaby. 18Efa vôfora ve ny olo raike laha nangihina mba hino? Ijy die tsy tokone hiejaka ny hisevosevo hôtran'ny tsy vôfora. Tsy vôfora vy ny olo raike laha nangihina hômin'ny finôna? Tsy tokone hifiraina ijy. 19Satria tsy ny famorana na ny tsy famorana no raha-makadiry. Ny raha-makadiry die ny fagnarahana ireo didin'Andriamanitra.20Ny kiraidraike aby die tokone hijanogna amin'ny fangihana ijay nisy an'aje laha nangihin'Andriamanitra mba hino ijy.21 Andevo ve anao fony Andriamanitra nangaike anao? Aja miahiahy ny amin'ijane. Fa laha mety ho afake anao, die ararôty ijane.22 Satria ny olo raike ijay nangihin'ny Tompo ho andevo die olo afaky ny Tompo. Hôtran'ijane koa ny olo ijay afake tamin'ijy nangihina mba hino die andevon'i Kristy. 23Anareo die vôvidy, noho ijane die aja avy hôtran'ireo andevon'olo. 24Ry rahalahy, n'ino n'ino fiaignana nisy antsena kiraidraike tamin'ny antsena nangihina mba hino, die ôka antsena hijanogna ho hôtran'ijane.25Ary mikasika ireo ijay tsy nanambady mihitsy, iaho die managna didy avy agne amin'ny Tompo. Nefa iaho die magnome ny hevitro hôtran'ny raike ijay, amin'ny alalan'ny famindram-pon'ny Tompo, die mendri-pitokisana. 26Noho ijane, mieritreritra iaho fa nohon'ny loja ijay ho avy, die tsara hôn'ny lelahy ny mijanogna amin'ny maha ijy an'aje.27Vôfehy amin'ny viave ve anareo? Aja mirembe ny ho afake amin'aje. Afake amin'ny vadinao ve anao? Aja mirembe vady. Nefa laha manambady anareo, die tsy nagnota.28 Laha ny viave tsy manambady no manambady, die tsy nagnota ijy. Nefa ireo ijay manambady die hanagna karajan'olagna rahabe laha mbola velogna, ary iaho die te hangala anareo amin'ijane.29Fa ijao no vorianiko, ry rahalahy: Fohike ny fotôgna. Manomboka ijao, aleo ireo ijay efa manam-bady hiaigna ho hôtran'ny tsy managna. 30Ireo ijay mitomagny die tokone hagnano ho hôtran'ny tsy mitomagny, ireo ijay mifaly ho hôtran'ny tsy mifaly, ary ireo ijay mividy ho hôtran'ny tsy managna n'ino n'ino;31 ary ireo ijay mampiasa ijao tontolo ijao die tsy tokone hagnano hôtran'ny mampiasa ijane tanterake. Satria ijao tontolo ijao amin'ny endrikane amin'ijao fotôgna ijao die ho avy amin'ny fefaràna.32Tiako anareo ho afake amin'ireo ahiahy. Ny lelahy tsy manambady die miahiahy ny amin'ireo raha ny Tompo, ny amin'ny fomba hampifalena an'Aje. 33Fa ny lelahy manambady die miahiahy ny amin'ny rahan'ijao tontolo ijao, ny amin'ny fomba hampifalena ny vadine--- 34misarasarake ijy. Ny viave tsy manambady na virijiny die miahiahy ny amin'ny raha ny Tompo, ny amin'ny fomba hanokagnana amin'ny tegna sy ny fagnahy. Fa ny viave manambady die miahiahy ny amin'ny rahan'ijao tontolo ijao, ny amin'ny fomba hampifalena ny vadine.35Vorianiko ijane hôn'ny tombotsoanareo manokagna, fa tsy hagnavela ijay abiaby sakasakagna eo aminareo. Mivoria ijane iaho noho ijay marina, amin'ijay anareo mba hanolo-tegna hôn'ny Tompo tsy misy fagnelingelegnana.36Nefa laha misy olo raike mihevitre fa tsy mitondra ny fofom-badine am-pagnajàna-- laha mihôtre ny taognan'ny fanambadiena ilay viave ary tsy mentsy hôtran'ijane--die tokone hagnano ijay tiane ijy. Tsy magnota ijy. Tokone hivady areo. 37Nefa laha nikasa tsara tao am-pone ijy, laha ohatra ka tsy ambany faneritirena fa afake mifehy ny sitrapone manokagna, ary laha nanapa-kevitre tao am-pone ijy ny hagnano ijane, mba hitajognana ny fofombadine ho virijiny, die tsara ny amboarine.38 Ka ijay manambady ny fofombadine die magnano ny tsara, ary ijay misafidy ny tsy hanambady die hagnano ny tsaratsara loholoho aja.39Ny viave die vofehin'ny vadine laha mbola velogna ralelahy. Fa laha maty ny vadine, die malalake tsara ijy ny hanambady ijay tiane hivadina, nefa ao amin'ny Tompo mandy. 40Nefa amin'ny fitsarako die tokone ho faly loholoho ijy laha miaigna amin'ijao mandy. Ary hiveriko fa iaho mandy koa die managna ny Fanahin'Andriamanitra.
Chapter 8

1Ary ny mahakasika ny hanina atao sorogna hôn'ny sampy--fantantsena fa: ''Antsena abiaby die manam-pahalalana.'' Ny fahalalana mampirehareha, fa ny fitiavana manangagna. 2Laha misy olo raike mieritreritra ny tegnane fa mahafanta-draha, die mbola tsy mahafantatra araka ijay tokone hahafantarane akory ijany olo ijane. 3Fa laha misy olo raike tia an'Andriamanitra, die fantane ijany olo ijane.4Ka laha ny mahakasika ny fihinanana hanina natao sorogna hôn'ny sampy--die fantantsena fa "ny sampy etoy amin'ijao tontolo ijao die tsinotsino'' sady ''fa tsy misy Andriamanitra afa-tsy raike mandy.'' 5Fa mety misy ireo mody angehina hoe andriamanitra, na agny an-dagnitre na etiky an-tany, hôtran'ny habetsahan'ireo ''andriamanitra'' sy ny habetsahan'ireo ''Tompo''. 6Fa hôntsena, ''Raike mandy ny Andriamanitra die ilay Iaba, ijay avy amin'ny raha abiaby, ary Ijy no antone hivelomantsena, sady raike ny Tompo Jesôsy Kristy, ijay tamin'ny alalane no nisian'ny raha abiaby, ary tamin'ny alalane no nisiantsena.''7Na ijany aja, ijany fahalalana ijane die mbola tsy ao amin'ny kiraidraike. Fa koja, ny saragne talohaka teo die nampihatra ny fanompôn-sampy, die nihinagna ijany hanina ijane hôtrany hoe raha natao sorogna hôn'ny sampy ijane. Noho ijany die simba ny fieritreretan-dreo satria malemy ijane.8Fa tsy ny hanina no hagnome antsena eo amin'Andriamanitra. Fa tsy ratsy loholoho antsena laha tsy nihinagna, na koa hoe tsara loholoho laha nihinagna ijane. 9Tandremo mba tsy ny fahalalanareo no antone hahatonga ireo olo osa ara-pinôna ho tafatohigna. 10Fa atôvy hôtrany hoe misy mahita anao, ijay manam-pahalalana, mihinàna ny hanina ao amin'ny tempolin'ny sampy. Tsy ny fahalemen'ny fieritreretany ve no nasahiane hihinagna ijay nomena hôn'ny sampy?11Ka nohon'ny fahalalanao ny toetra marina momba ny sampy, die vere ilay rahalahy malemy finôna raike, ijay nahafatesan'i Kristy. 12Noho ijane, laha magnota amin'ny rahalahinareo anareo ka mandratre ny saigna mlemin-dreo, die magnota manohitra an'i Kristy anareo. 13Noho ijane, laha ny hanina no mahatonga ny rahalahiko ho tafatohigna, die tsy hihinan-kena koa iaho, mba tsy avy amin'ahe ny hahalavo ny rahalahiko.
Chapter 9

1Tsy olo afake ve iaho? Tsy apostoly ve iaho? Tsy nahita an'i Jesôsy Tompontsena ve iaho? Tsy asako ao amin'ny Tompo ve anareo? 2Raha tsy apostoly ho an'ny hafa iaho, die farafaharatsiny Apostoly ho anareo. Fa anareo no porofo amin'ny maha-apostoly anahy ao amin'ny Tompo.3Ijao no ferovako amin'ny ijay magnadihady anahy: 4Moa ve ahay tsy mahazo alalana ny hihinagna sy hinogna? 5Moa ve ahay tsy mahazo mitondra vady ijay mpino, hôtra ny ataon'ny apostoly saragne, sy ny rahalahin'ny Tompo, die Kefasy? 6Sa Barnabasy sy iaho rerike no tsy maintsy miasa?7Ija no manao fanompoana miaramila amin'ny fandaniany manokana? Ija no mamboly voaloboke'ary tsy mihinagna ny vôny? Na ija no miandry ondry ka tsy minongna ronono avy amin'ijany? 8Moa ve iaho milaza ny raha reo mifototra amin'ny fahefan'ny olombelona? Tsy milaza ijany koa ve ny lalàna?9Fa ijany die efa vôsoratre ao amin'ny lalàn'i Mosesy hoe: ''Aja asena feto-bava ny aomby rehefa miely voa ijy.'' Tena ny aomby tokôtre ve no hiahian'Andriamanitre?10 Tsy mivoria momba anay've ijy? Efa nosoratana ho antsena, fa ijay miasa tany die tokony hiasa amin'ny fanantenana, die ijay mively die tokony hively amin'ny fanantenana ny hahazo anjara amin'ny vokatra. 11Raha namafy raha ara-panahy teo aminareo ahay, moa be lotre aminay ve ny mijinja raha ara-materialy avy aminareo?12Raha mampihantre ijany zo ijany avy aminareo ireo hafa, moa ve ahay tsy managna mihôtre? Na die ijany aja, tsy nitaky ijany zo ijany ahay. Fa koja, naleonay niaritre ny raha abiaby toy ijay ho sakana ho an'ny filazantsaran'i Kristy. 13Moa ve tsy fantatrareo fa ireo ijay manompo ao amin'ny tempoly die mahazo ny sakafon'ijy reo laha tao amin'ny tempoly? Ary moa ve tsy fantatrareo fa ireo ijay manompo die mahazo anjara amin'ijay natao fagnatitre teo amin'ny Alitra? 14Hôtran'ijany koa, ny Tompo die nandidy fa ireo ijay mitory ny filazantsara die tokony hahazo ny fiveloman'dreo laha tamin'ny filazantsara.15Nefa tsy nitaky ny raike tamin'ireo zo reo iaho. Ady tsy manoratre an'ijao iaho mba mety hisy raha hatao ho anahy. Aleoko maty toy ijay hisy olo hanaisotra amiko ijany rehareha ijany. 16Fa raha mitory ny filazantsara iaho, die tsy misy antony tokony ireharehako, satria tsy maintsy manao ijany iaho. Ary loza ho anahy raha tsy mitory ny filazantsara iaho!17Fa raha manao ijany an-tsitrapo iaho, die manana valisoa. Fa raha tsy an-tsitrapo koja, die mbola manana ny andraikitre ijay'nankinina taminahy iaho. 18Ino ary ijany no valisoako! Ijany die rehefa mitory iaho, die afake manolotre ny filazantsara tsy misy fandoavam-bola ka mba tsy hampiasa tanteraka ny zoko amin'ny filazantsara.19Fa na die afake amin'ny abiaby aja iaho, die tonga ho mpanompo ho an'ny abiaby, mba hahazahoako bebe kokoa. 20Teo amin'ny Jiosy die lasa hôtra ny Jiosy iaho, mba hahazahoako ny Jiosy. Teo amin'ny ijay ambanin'ny lalàna, die lasa hôtra ny olo ijay ambanin'ny lalàna iaho mba hahazahoako ireo ijay ambanin'ny lalàna. Nanao ijany iaho na die tsy teo ambanin'ny lalàna aza ny tegnako. [Fagnamarihana:Ny baiboly ULB sy ny UDB die mivaky hoe: ''Nanao ijany iaho na die tsy teo ambanin'ny lalànaaza ny tenako.'' Ny dikan-teny taloha sasany die tsy manisy ijany.]21Tamin'ny jay ivelan'ny lalàna, die lasa hôtra ny olo ivelan'ny lalàna iaho, na die tsy ivelan'ny lalàn'Andriamanitra aja ny tegnako, fa ambanin'ny lalàn'i Kristy. Nanao ijany iaho mba hahazahoako ny ijay ambanin'ny lalàna. 22Teo amin'ny malemy die lasa malemy iaho, mba hahazahoako ny malemy. Tonga raha aby ho an'ny olo ny manontolo iaho, mba hamonjeko ny saragne amin'ny fomba abiaby.23 Manao ny raha abiaby iaho ho an'ny filazantsara, mba hafahako mandray anjara amin'ny fitahian'ijany.24Moa ve tsy fantatrareo fa amin'ny fihazakazahana raike ny mpihazakazake manontolo die manao ny fohazakazahana, nefa raike mandy no mahazo ny loka? Koa mihazakazaha mba hahazo ny loka. 25Ny atileta raike die mampihatre ny fifehezan-tegna amin'ny fanazaran-tegnany manontolo. Manao ijany areo mba handray satro-boninahitre ijay mety mivetrake, kanefa koja atsena mihazakazake mba hahazahoantsena satro-boninahitre tsy mety mivetrake. 26Ka noho ijany die tsy mihazakazake amin'ny tsy misy antone iaho na mamely ambia amin'ny rivotre. 27Fa feheziko ny tegnako die ataoko andevo, mba tsy ho lavina ny tegnako, rehefa avy nitory tamin'ny hafa iaho.
Chapter 10

1Tiako ho fantatrareo, ry rahalahy, fa ireo iabantsena die tao ambanin'ny rahogna aby ary namakivaky ny ranomasina. 2Ny abiaby die natao batisa hômin'i Mosesy tao amin'ny rahogna sy tao amin'ny ranomasina,3 ary ny abiaby die samby nihinagna hanim-pagnahy mitovy. 4Ny abiaby die nisotro ranom-pagnahy mitovy. Fa areo die nisotro tamin'ny vatolampim-pagnahy ijay nagnaraka an-dreo, die Kristy ijane vatolampy ijane.5Fa Andriamanitra die tsy nankasitrake tsara ny ankabetsahan-dreo, ary ny fatin-dreo die naely tagne agn'efitre. 6Amin'ijao fotôgna iregne raha iregne die ohatre hôntsena, mba tsy hagniriantsena raha-ratsy hôtran'ny nilan-dreo.7Aja manompo sampy, hôtran'ny saragne tamin-dreo. Ijane die arak'ijay vôsoratra hoe: ''Ireo olo nitoboke mba hihinagna sy hisotro, ary nitsangagna mba holalao.'' 8Ôka antsena tsy hijangajanga, hôtran'ny namboarin'ny rahabe tamin-dreo. Tao agnatin'ny indraika andro, die olo telo arivo sy roa aligna ny maty nohon'ny amin'ijane.9Ôka mandy koa antsena tsy hitsapa an'i Kristy, hôtran'ny namboarin'ny rahabe tamin-dreo ka naringagn'ireo menaragna. 10Aja mimenimenigna mandy koa, hôtran'ny namboarin'ny rahabe tamin-dreo ka naringagn'ireo anjelin'ny fahafatesana.11Ary iregne raha iregne no nihatra tamin-dreo mba ho ohatre hôntsena. Nisoratana mba ho fampenarana antsena ijy iregne--- ho amintsena ijay nevian'ny fara-andro. 12Noho ijane ôka ijay mieritreritra ny tegnane ho efa mijoro mitandrigna tsara mba tsy ho lavo. 13Tsy nisy fakam-pagnahy nahatratra anareo ijay tsy erahan'ny olombelogna abiaby. Fa koja, Andriamanitra die mahatoky. Tsy hagnavela anareo halaim-pagnahy mihôtra ijay jakanareo Ijy. Miaraka amin'ny fakam-pagnahy die hagnome anareo ny làlagna hilefana mandy koa Ijy, mba hafahanareo miaritre ijane.14Noho ijane, ry malalako, milefà lavitra ny fanompôn-sampy. 15Mijaka aminareo hôtran'ny olo manan-tsaigna iaho, mba hafahanareo mitsara ijay vorianiko.16 Ny kapôkan'ny fisôrana ijay isôrantsena, moa ve ijane tsy fiombognana amin'ny ràn'i Kristy? Ny mofo ijay silahintsena, moa ve ijane tsy fiombognana amin'ny vatagn'i Kristy?17 Satria raike mandy ny mofo, antsena ijay rahabe die vatagna raike. Antsena abiaby die mandray amin'ny mofo raike mandy.18Jahay ireo fokon'olon'Israely: moa ve ireo ijay mihinagna ireo fagnatitre tsy mpandray anjara eo amin'ny alitara? 19Ino ary ny hivorianiko? Hoe tsy misy dikany ve ijane ny sampy? Sa ny hanina ijay natao fagnatitre tamin'ny sampy no tsy misy dikane?20Fa mivoria mahakasikan'ny raha ijay ataon'ireo Jentilisa mpanompo sampy fagnatitre iaho, fa omen-dreo an'ireo demonia iregne raha iregne fa tsy an'Andriamanitra. Tsy tiako anareo ho mpikambagna amin'ny demonia! 21Tsy afake misotro ny kapôkan'ny Tompo sy ny kapôkan'ny demonia anareo. Tsy afake miray eo amin'ny latabatry ny Tompo sy ny latabatr'ireo demonia anareo.22 Sa magnano ijay mahasaro-piaro ny Tompo ve antsena? Mahery noho Ijy ve antsena?23''Ny raha abiaby die ara-dalàna,'' fa tsy ny raha abiaby no mahasoa. ''Ny raha abiaby die ara-dalàna,'' fa tsy ny raha abiaby no mampandroso ny olo. 24Tsy misy tokone handremby ny tombotsoane manokagna. Fa koja, ny kiraidraike die tokone handremby ny tombotsoan'ny nekamane.25Afake mihinagna ijay abiaby amidy egne an-tsena anareo, fa aja magnontany ny fieritreretana. 26Fa ''An'ny Tompo ny tany, sy ijay abiaby misy amin'ajy eo.'' 27Laha misy tsy mpino mangaike anareo hihinagna, ka te handeha anareo, die hoano ijay abiaby mitoboke eo alohakanareo ka aja mametra-pagnontaniana ny amin'ny fieritreretana.28Fa laha misy mijaka aminao hoe: ''Itiky hanina itiky die avy amin'ny fagnatitry ny mpanompo sampy,'' die aja mihinagna ijane. Ijane die hôn'ilay nampahafantatre anareo, sy hôn'ny fieritreretana. [Fagnamarihana: Ny dika-teny talohaka saragne die magnampy hoe: ''Fa ny tany sy ny raha abiaby ao amin'aje die an'ny Tompo.'' Fa ny dikan-teny tsara indrindra die tsy misy ijane.] 29Tsy mijaka iaho hoe ny fieritreretanao manikagna, fa ny fieritreretan'ny olo-kafa. Nagnino ny fahafahako no tokone hitsarain'ny fieritreretan'ny hafa? 30Laha mandray anjara amin'ny hanina am-pankasitrahana iaho, nagnino no jakajakaina amin'ijay nagnomejako fisôrana?31Noho ijane, na mihinagna na misotro anareo, n'ino n'ino amboarinareo, die amboaro ho voninahitr'Andriamanitra aby. 32Aja magnome fanafintohignana ny Jiosy na ny Grika, na ny fengonan'Andriamanitra.33 Miejaka ny hahafaly ny olo-abiaby amin'ny raha abiaby iaho.Tsy mandremby ny tombotsoako iaho, fa ny an'ny rahabe. Amboariko ijane mba ho vôvonjy areo.
Chapter 11

1Alao tahake iaho, hôtran'ahy mpangala tahake an'i Kristy. 2Ary midera anareo iaho satria mahatsiaro an'ahy amin'ny raha abiaby anareo. Midera anareo iaho satria mitajogna mafy ny fombafomba arak'ijay nanolorako an- dreo teo aminareo anareo. 3Ary tiako ho ajonareo fa kristy no lohan'ny lelahy abiaby, fa ny lahy no lohan'ny vavy, ary Andriamanitra no lohan'i Kristy. 4Ary manala voninahitra ny lohany ireo lehilahy ijay mivavake ka maminany ka misaron-doha.5Fa mangala voninahitre ny lohany ireo viavy ijay mivavake na maminany tsy misaron-doha. Fa tsy hafa ary mitovy amin'ny hoe viavy magnaratre ny lohany ijany.6 Fa laha tsy misaron-doha ny viavy, die tokony ho tapahina ho fohy ny volony. Laha mahamenatre ny viavy ny manapake ny volony na ny magnaratre ny lohany, die ôke ijy handrakotre ny lohany.7Fa tsy tokony handrakotre ny lohany ny lelahy, satria ijy no sary sy voninahitr'Andriamanitra. Fa ny viavy die voninahitry ny lelahy.8 Fa ny lelahy die tsy natao avy tamin'ny viavy. Fa koja, ny viavy no natao avy tamin'ny lelahy.9Fa tsy misy lelahy noforognina ho an'ny viavy. Fa koja, ny viavy no noforognina ho an'ny lelahy. 10Ijany no tokony hananan'ny viavy ny mariky ny fahefana eo amin'ny lohany, noho ireo anjely.11Na ijany aja, ao amin'ny Tompo, tsy mahaleo-tena amin'ny lelahy ny viavy, na ny lelahy mahaleo tena amin'ny viavy. 12Fa laha avy amin'ny lelahy ny viavy, die ny lehilahy koa die avy amin'ny viavy. Ary avy amin'Andriamanitra ny raha abiaby.13Tsarao ny tegnanareo: Mety amin'ny viavy ve ny mivavake amin'Andriamanitra tsy misaron-doha? 14Tsy ny natiora mihitsy aja ve no mampianatre anareo fa laha lelahy no lava volo, die fahafaham-baraka ho an'ajy ijany. 15Tsy mampianatre anareo ve ny natiora fa laha ny viavy no lava volo, die voninahitra ho an'ajy ijany? Fa nomena an'ajy ny volony mba handrakofana an'ajy. 16Fa laha misy te-hiady hevitre amin'ijany, die tsy managna fampiharana hafa ijahay, na ireo fiangonan'Andriamanitra.17Fa agnatin'ireo torolalana magnaraka, die tsy midera anareo iaho. Fa laha miara- tonga anareo, die tsy ho amin'ny tsara ijany fa ho amin'ny ratsy indrindra.18 Fa tamin'ny voalohany indrindra, die regniko fa laha miarake miangogna ao amin'ny fiangonana anareo, die misy fijarajarana eo aminareo, ary mino ijany amin'ny ampahany aho. 19Fa tsy mentsy misy fitsitokotokoana eo aminareo, mba hankasitrahana eo aminareo ireo ijay nekena.20Fa laha miangogna anareo, die tsy ny Fanasan'ny Tompo no hoaninareo. 21Laha mihinagna anareo, die samy mihinagna ny haniny manokagna ny kiraidraike alohan'ny hihinanan'ireo hafa. Te hinagna ny raike, ary ny hafa lasa mamo. 22Tsy managna tragno ihinanana sy inomana ve anareo? Ho tsinontsiniavinareo ve ny fiangonan'Andriamanitra ka hahetrinareo ijay tsy managna n'ino na ino ? Ino no tokony ho jakaiko aminareo? Tokony hidera anareo ve iaho? Tsy hiderananareo amin'ijany aho!23Fa noresiko avy amin'ny Tompo mandy koa ijay ampitaiko anareo, fa Jesôsy Tompo, tamin'ny alina ijay namadihana an'Ajy, die nangala mofo. 24Laha avy nisaotra Ijy, die nanapake an'ijany ary nijaka hoe: "Itoy ny vatako, ijay ho anareo. Atôvy ijao ho fahatsiarovana an'Ahy."25Mitovy amin'ijay koa die noresiny ny kapôka laha nihinagna hariva, ary nijaka Ijy hoe:" Ity kapôke ity no fanekena vaovao ao amin'ny ràko. Atôvy ijao na ovena na ovena anareo no minogna, ho fahatsiarovana an'Ahy.'' 26Amin'ny fotôgna abiaby ijay hihinanareo itoy mofo itoy sy hinomanareo amin'itoy kapôke itoy, die magnambara ny fahafatesan'ny Tompo mandra-piaviny anareo.27N'ija n'ija, noho ijany, mihinagna ny mofo na misotro amin'ny kapôkan'ny Tompo amin'ny fomba tsy mendrike, die ho meloke ny amin'ny vatagna sy ny ràn'ny Tompo. 28Ôke handinike ny tegnany aloha ny olo, ary amin'ijany die ôke hihinagna ny mofo ary hisotro amin'ny kapôke ijy. 29Fa ijy ijay mihinagna sy minogna ka tsy mahafantatre ny vatagna, die mihinagna sy minogna fitsarana ho an'ny tegnany.30 Ijany no mahatonga ny maro aminareo ho osa sy marary, ary ny saragny, aminareo ho faty.31Fa laha mandinin-tegna antsena, die tsy ho tsaraina. 32Fa laha voatsaran'ny Tompo antsena, die mpanara-dalana, mba tsy ho vôheloka miaraka amin'ijao tontolo ijao.33Noho ijany, ry rahalahiko, laha miangogna mba hihinagna anareo, die mifampiandrasa.34 Laha misy olo raike te-hihinagna, ôke ijy hihinagna agny an-dragno, amin'ijay laha miangogna anareo die tsy ho amin'ny fitsarana ijany. Ary mahakasika ireo raha hafa ijay nosoratanareo, die hagnome toro-lalagna aho laha tonga.

Chapter 12

1Momba ireo fagnomejam-pagnahy, ry rahalahy, die tsy tiako tsy ahafantatra anareo.2 Fantatrareo fa faha anareo mpanompo sampy, die vôvily nenga agny amin'ireo sampy tsy manam-peo anareo, tagny amin'ijay lalagna abiaby nitarihin'iregny anareo. 3Noho ijany tiako hoa fantatrareo fa tsy misy olo ijay mijaka amin'ny Fanahin'Andriamanitra mijaka hoe: ''Jesôsy die vôojogna.'' Tsy misy afaka mijaka hoe:" Jesôsy die Tompo," afa- tsy amin'ny alalagn'ny Fanahy Masina.4Ary misy fagnomejam-pagnahy samihafa, fa Fanahy mitovy mandy. 5Misy fanompoana samihafa, fa Tompo mitovy mandy; 6ary misy karajagn'asa samihafa, fa Andriamanitra mitovy mandy no manao an- dreo ho ajo atao amin'ny kiraidraike.7Ary ho an'ny kiraidraike no nomena ny fanehoana ivelan'ny Fanahy ho an'ny tombontsoan'ny abiaby. 8Fa ho an'ny olo raike die nomena avy amin'ny Fanahy ny tenin'ny fahendrena, ary ho an'ny raike hafa ny tenin'ny fahalalana amin'ny alalan'ny Fanahy mitovy mandy.9Ho an'ny raike hafa die nomena ny finoana amin'ny alalan'ny Fanahy mitovy, ary ho an'ny raike hafa ireo fagnomejam-pahasoavana hagnasitragna amin'ny alalan'ny Fanahy raike. 10Ho an'ny raike hafa die nomena ireo asan'ny hery, ary ho an'ny raike hafa faminaniana. Ho an'ny raike hafa die nomena ny fahafahana magnavake ireo fagnahy, ho an'ny raike hafa ireo karajagna fijakana samihafa, ary ho an'ny raike hafa ny fandikana teny. 11Fa ny fagnahy raike sy mitovy mandy no miasa ao amin'ijany abiaby ijany, magnome ireo fagnomejam-pagnahy ho an'ny olona kiraidraike aby, araka ijay nofidiny.12Fa satria ny vatagna die raike ary managna rantsagna rahabe ary ny abiaby die ratsagn''il?ay vatagna mandy, noho ijany die miarake amin'i Kristy ijany. 13Fa tamin'ny alalan'ny Fagnahy raike no nanôvana batisa antsena abiaby ho vatagna raike, na ireo Jiosy na ireo Grika, na vôfatotre na afake, ary ny abiaby die natao mba hinogna amin'ny Fagnahy raike.14Fa ny vatagna die tsy ratsagna tokagna fa rahabe. 15Laha mijaka ny hongotra hoe: '' Satria tsy tanana iaho, die tsy ratsagna amin'ny vatagna iaho,'' ijany die tsy bitike amin'ny ratsagn'ny vatagna akory. 16Ary laha ny sofigna no hijaka hoe: '' Satria tsy maso iaho, die tsy ratsagna amin'ny vatagna iaho,'' ijany die tsy bitike amin'ny ratsagn'ny vatagna akory. 17Laha maso ny vatagna abiaby, die ho aja ny fitenoana? Laha sofigna ny vatagna abiaby die ho aja ny fanimbolôgna?18Fa Andriamanitra nandamigna ny ratsagn'ny vatagna kiraidraike arake ny namorognan'ny an'ijany. 19Laha ratsagna mitovy mandy ijy abiaby, aja no hisy ny vatagna? 20Ka ijao die ratsagna rahabe areo, fa vatagna raike mandy.21Ny maso tsy afaka mijaka amin'ny tagnana hoe:" Tsy ilaiko anao.'' Na ny loha tsy hijaka amin'ny hongotre hoe: '' Tsy misy ilàko anao.'' 22Fa ireo ratsagna amin'ny vatagna ijay miseho ho malemy loholoho die tena ilaina, ary ireo ratsagn'ny vatagna ijay heverintsena fa tsy die manan-danja, die omentsena lanja lehibe loholoho ireo, 23ary ireo ratsagnantsena tsy fagnabôke die managna fahamendrehana mihôtre. 24Ary ny rantsagnantsena fagnabôke die tsy mila indôsina amin'ny fahamendrehana fa ireo die efa managna fahamendrehana. Fa Andriamanitra nampikambagna ny ratsagna abiaby miarake, ary ijy nagnome lanja loholoho an'ireo ijay tsy ampy an'ijany.25Nagnano ijany Ijy mba tsy hisy fisarahana eo amin'ny vatagna, fa mba hifampikarakara amin'ny fitiavana mitovy ireo ratsagna. 26Noho ijany laha mijaly ny rantsagna raike die miara-mijaly ireo rantsagna abiaby; na laha omen-danja ny rantsagna raike, die miara-mifaly ny rantsagna abiaby. 27Ary anareo die vatagn'i Kristy ary ratsagna amin'ijany ny kiraidraike.28Ary Andriamanitra nanendre tao amin'ny fiangonana ireo apostoly aloha, faharoa ireo mpaminany, fahatelo ireo mpampianatra, avy eo ireo ijay magnano asa mahajedagna, avy eo ireo fagnomejam-pahasoavana hagnasitragna, ireo ijay magnome fagnampiana, ireo ijay manao ny asan'ny fitantanan-draharaha, ary ireo ijay managna karajagna fijakana samihafa. 29Apostoly ve ijy abiaby? Mpaminany aby ve? Mpampianatra aby ve? Manao asa mahajedagna aby ve ny abiaby?30Managna fagnomejam-pagnahy hagnasitragna ve ijy abiaby? Mijaka amin'ny fijakana tsy fantatra ve ijy abiaby? Mandika fijakana ve ijy abiaby? 31Tadiavo fatratra ireo fanomejam-pagnahy lehibe loholoho. Fa hagnabôke anareo lalana tsaratsara loholoho iaho.
Chapter 13

1Oka hatao hoe mijaka amin'ny fijan'ny olo sy ny anjeliny iaho. Fa laha tsy managna fitiavana , iaho die tonga vy ratsy feo na vy mikarantsam-peo iaho. 2Ôka hatao hoe managna fagnomejan'ny faminanena iaho ary mahafantatre ny marina nasitrike iaho sy fahalalana aby daholo, ary managna ny finôna manontolo ahafahana mamindra ny tendrombohitra iaho. Fa laha tsy manam-pitiavana iaho,die tsinotsinona Iaho. 3Ôka hatao hoe magnome ijay abiaby fagnanako hamahanana ny mahantre iaho, ary magnome ny tegnako hidorôna. Fa laha tsy manam-pitiavana iaho, die tsy mahajo n'ino n'ino. [Fagnamarihana: Ny ULB sy ny UDB die samy managna dikan-teny maro, mivaky hoe: "Hameko mba hidorôna ny tegnako." Ny dikan-teny saragne koja die mivaky hoe: "Homeko ny tegnako mba ho reharehako."]4Ny fitiavana die maharitre sy tsara fagnahy. Ny fitiavana die tsy mitsiriritra sy tsy mirehareha. Tsy miavognavogna ijy na hoe 5tsy mahalala fomba. Tsy tia tegna ijy. Tsy mora vignitra ijy, na mitanisa fahadisôna. 6Tsy mifaly amin'ny tsy fahamarinana ijy. Fa koja, mifaly amin'ny fahamarinana ijy.7 Ny fitiavana die mitondra ny raha manontolo, mino ny raha manontolo, managna fahatokiena amin'ny raha manontolo, ary maharitre ny raha manontolo.8Tsy ho tapitre mandrakijay ny fitiavana. Laha misy faminaniana, die ho levogna areo. Laha misy ny fijakana, hijanogna ijy io. Laha misy fahalalana , die ho levogna ijany.9 Fa antsena die mahafantatre amin'ny lafiny raike ary maminagny antsena amin'ny lafiny raike.10 Fa laha efa tonga ny tena lafatre, ijay tsy feno die ho levogna.11Tamin'ny mbola jaja iaho, niresake hôtrany jaja iaho, neritreritre hôtrany jaja iaho, maneho hevitre hôtrany jaja iaho. Laha efa tonga lehibe iaho, die navelako ny fahajajana.12 Fa ankehitriny antsena die mahita sy mivantagna amin'ny fitaratre, fa mifagnati-tava. Ary fantatro amin'ny ampahane, fa avy teo ho fantatro aby arake ny fahafantarana anahy tanterake.13 Fa ankehitriny die ireto telo ireto no mipetrake: ny finôna, ny fagnatenana, ary ny fitiavana. Fa ny lehibe indrindra amin'io die ny fitiavana.
Chapter 14

1Mandrobeja fitiavana ary magnàna jotom-po amin'ny fagnomejam-panahy, indrindra fa ny mba haminanianareo. 2Fa ijay mijaka amin'ny fijaka tsy fantatre die tsy miresaka amin'ny olo fa amin'Andriamanitra. Fa tsy misy mahajo anajy satria miresaka java-miafigna ao amin'ny Fagnahy ijy. 3Fa ijay maminany die miresaka amin'olo mba ho fampiorenana an'dreo, ho fampirisihana an'dreo, ary fampiononana an'dreo.4 Ijay mijaka amin'ny fijaka tsy fantatra die magnorigna ny tegnany, fa ijay maminagny die magnorigna ny fengonana.5Ankehitriny die magniry anareo hijaka amin'ny fijaka tsy fantatra iaho. Fa mbola mihôtra noho ijany aja, magniry Iaho ny haminanianareo. Ijay maminagny die lehibe kokoa noho ijay mijaka amin'ny fijaka tsy fantatra (laha ho tsy hoe misy olo raike mandika teny ka mba mety hiorenan'ny fengonana). 6Fa ankehitriny, ry rahalahy, laha tonga eo aminareo amin'ny fijaka tsy fantatra iaho, ino no tombon-tsoa omeko anareo amin'ijany? Tsy afaka iaho, raha tsy hoe miresaka aminareo amin'ny fagnambarana, na fahalalana, na faminaniana, na fampenarana.7Laha mamôka feo ny java-magneno tsy manan'aigna—hôtrany ny sodigna na lokanga—ary tsy mamôka lantom-peo samihafa ireo, ahôna no hahafantaran'olo ijay melodia avôkan'ny sodigna na ny lokanga? 8Fa laha magnano feo hafahafa ny trompetra, ahôna no hahafaran'olo laha efa fotôgna homagnana amin'ny ady? 9Ka hôtran'ijany mandy koa ny aminareo. Laha tsy majava ny teny alôky ny vavanareo, ahôna no hahafantaran'olo ijay nijakainareo? hijaka anareo, ary tsy hahajo anareo.10Misy fijaka maro samihafa eto amin'ijao tontolo ijao, ary tsy misy amin'io no tsy misy dikane.11 Fa laha tsy mahafantatre ny dikan'ny fiteny raike iaho, die ho vahiny amin'ijay miteny, ary ijay mijaka ho vahiny aminahe.12Hôtrany ijany mandy koa ny aminareo. Satria magniry fatratre ny fihetsehan'ny Fagnahy anareo, die magnàna jotom-po mba hiroborobo amin'ny fagnorenana ny fengonana.13 Noho ijany ijay mijaka amin'ny fijaka tsy fantatra die tokony hivavaka mba hafahany mandika teny.14 Fa laha mivavaka amin'ny fijaka tsy fantatra Iaho, die mivavaha ny fagnahiko, fa ny sainko tsy mamoa.15Ino no tokony hataoko? Hivavaka amin'ny Fagnahiko iaho, fa hivavaka amin'ny sainko mandy koa. Hihira miaraka amin'ny Fagnahiko iaho, ary hihira miaraka amin'ny sainko mandy koa.16 Laha tsy ijany, laha midera an'Andriamanitra miaraka amin'ny Fagnahy anareo, ahôna no hijakan'ny vahiny hoe "Amena" laha efa magnome fisôrana anao raha hôtra ka tsy fantany ijay lajainao.17Fa anao die tena magnome fisôrana tsara mandy, fa ny olon-kafa tsy miorigna.18 Misaotra an'Andriamanitra iaho fa mijaka amin'ny fijaka tsy fantatra mihôtra noho anareo rehetre. 19Saingy agny am-pengonana die aleoko mijaka teny dimy araka ny fahajôko mba hafahako mampianatre ny hafa, toy ijay teny iray aligna amin'ny fijaka tsy fantatra.20Ry rahalahy, aja mba jaja amin'ny fihevitrareo. Fa koja, laha amin'ny ratsy, die manôva hôtrany jaja. Fa amin'ny fihevitrareo die ôka ho matotra anareo. 21Ao amin'ny lalàna die vôsoratra hoe: "Amin'ny alalan'ny olo hafa hijaka sy amin'ny alalan'ny molotry ny vahiny die hiresaka amin'ny olo ito Iaho. Na die tsy haharegny Anahy aja areo," hoy ny Tompo.22Noho ijany ny fijaka tsy fantatra die famantarana, tsy amin'ny mpino, fa amin'ny tsy mpino. Fa ny faminanena koja die ho famantarana, tsy ho an'ny tsy mpino, fa ho an'ny mpino. 23Noho ijany, raha hôtra ka, miara-miangogna ny fengonana rehetra ary mijaka amin'ny fijaka tsy fantatra aby, ary miditre ny vahiny sy tsy mpino, tsy ho lajain'dreo fa môla ve anareo?24Fa laha naminagny aby anareo rehetre ka nisy tsy mpino na vahiny niditre, die ho resy lahatra amin'ijay rehetre regnine ijy. Ho tsaraina amin'ny alalan'ijay rehetra vôlaja ijy.25 Hambara ny tsembaratelo ao am-pone. Vokatr'ijany, henkohoke ijy ary hitsaoka an'Anandriamanitra. Hagnambara ijy fa tena eo aminareo Andremanitra.26Ino ijany no magnarake, ry rahalahy? Laha efa tafaray anareo, ny tsiraidraike die managna salamo, fampenarana, fagnambarana, fijaka tsy fantatra, na fandikan-teny. Atôvy ny java-drehetra mba hagnorenanareo ny fengonana.27 Laha misy mijaka amin'ny fijaka tsy fantatra, avilao hisy roe na farafahabeny telo eo, ary mandeha tsiraidraike, avy teo die tokony hisy raike handika ny teny ijay vôlaja.28 Fa laha tsy misy mpandika teny, avilao ny tsiraidraike amin'dreo hitajogna fahanginana ao am-pengonana. Avilao ny tsiraidraike hiresaka mitokagna amin'ny tegnany sy amin'Andriamanitra.29Abelao hijaka ny mpaminany roa na telo, ary abelao ny hafa hiheno amin'ny faheja-magnavaka ijay vôlaja. 30Fa laha misy fahitana omena ijay mipetraka eo amin'ny fanompôna, abelao hangigna ny raike ijay nitene.31Fa ny tsiraidraike aminareo die afaka mifandimby maminagny mba hafahan'ny tsiraidraike mianatre ary mba hahery ny rehetre.32 Fa ny fagnahin'ny mpaminagny die eo ambanin'ny fagnaraha-mason'ny mpaminagny.33 Fa Andriamanitra die tsy Andrimanitry ny fikorontagnana, fa ny fiadagnana. Ijany no fitsipika ho an'ny fengonan'ny mpino rehetre.34Ny viavy die tokony hitajogna fahanginana ao am-pengonana. Satria tsy mahajo alalagna hijaka areo. Fa koja, tokony hagneky areo, hôtrany ny ambaran'ny lalàna.35 Laha misy irian'dreo hianarana, abelao hagnotany ny vadiny agny an-dragno areo. Fa mahamegnatra ho an'ny viavy ny mijaka ao am-pengonana.36 Avy aminareo ve no neven'ny tenin'Andriamanitra? Anareo rery ve no vôkasik'ijany?37Laha misy mieritreritre ny tegnany ho mpaminagny na ara-pagnahy, die tokony hagneky ijy fa io raha ijay soratako aminareo die didin'ny Tompo. 38Fa laha misy tsy magneky ijany, die aleo ijy tsy ho ekena. [Fagnamarihana: Ny ankamarôn'ny dikan-teny, ao agnatin'ijany ny ULB sy UDB, die mamaky hoe: "Fa laha misy tsy magneky ijany, die ôka tsy ho ekena ijy." Ny dikan-teny saragny taloha magnano hoe: "Fa laha misy tsy mahalala ijany, die ôka ijy hahalala ijany."]39Koa amin'ijany, ry rahalahy, magniria fatratra ny haminagny, ary aja mandrara an'ija n'ija hijaka amin'ny fijaka tsy fantatra.40 Fa abelao ny java-drehetre atao araka ny tokony ho ijy sy am-pilaminana.
Chapter 15

1Amin'ijao fotôgna ijao mampatsiahy anareo iaho, ry rahalahy, ny amin'ny filajantsara ijay nijakaiko taminareo, ijay niresinareo sy ijay itsangananareo.2 Amin'ny alalan'ijane filajantsara ijane no havôvonjy anareo, laha mitagna mahare amin'ny teny nitoriko taminareo anareo, laha tsy hoe ninonino fôgna.3Fa nomeko ho raha-makadiry vôlohane hônareo ijay vôraiko mandy koa: fa maty hôn'ny fahotantsena Kristy araka ny Soratra Masina, 4ary nalevigna Ijy, ary Ijy die natsangagna tamin'ny maty tamin'ny andro fahatelo araka ny Soratra Masina.5Kristy die niseho tamin'i Kefasy, ary avy teo tamin'ireo rômbifolo; 6avy teo die niseho indraike mandeha tamin'ireo rahalahy mihôtra ny dimanjato Ijy. Mbola velogna ny ankabetsahan-dreo, fa ny saragne die efa mate. 7Avy teo Ijy niseho tamin'i Jakoba, avy teo tamin'ireo apostoly abiaby.8Farane indrindra, die niseho tamin'ahe Ijy, hôtran'ny hoe tamin'ny jaja terake tsy ampy volagna. 9Fa iaho no farane kitike amin'ireo apostoly. Iaho die tsy magneva ny angihina hoe apostoly satria nagnenjika ny fengonan'Andriamnitra iaho.10Fa nohon'ny fahasoavan'Andriamanitra no naha hôtran'ijao an'ahe, ary tsy fôgna ny fahasoavane amin'ahe ato. Fa koja, niasa mahare loholoho ijy abiaby iaho. Nefa tsy iaho ijane, fa ny fahasoavan'Andriamanitra ijay miaraka amin'ahe. 11Noho ijane na iaho ijane na areo, araka ny nitorianay die araka ijane no ninônareo.12Amin'ijao fotôgna laha natoro fa Kristy die natsangagna tamin'ny maty, akory no hafahan'ny saragne aminareo mivoria fa tsy misy ny fitsanganana amin'ny maty?13 Nefa laha tsy misy ny fitsanganana amin'ny maty, die tsy natsangagna koa Kristy; 14ary laha tsy natsangagna Kristy, die fôgna ny fitorianay, ary fôgna mandy koa ny finônareo.15Ka, die hita ho vavolombelogna diso momban'Andriamanitra ahay satria nijoro vavolombelogna nanohitre an'Andriamanitra, nijaka hoe natsangagne Kristy laha tsy nagnano ijane Ijy. 16Laha tsy natsangagna ny maty, die na Kristy aja tsy natsangagna;17 ary laha tsy natsangagna Kristy, die fôgna ny finônareo ary die mbola ao amin'ny fahotanareo anareo.18Ary ijay abiaby maty ao amin'i Kristy die efa very mandy koa. 19Laha amin'itiky fiaignana itiky mandy no anagnantsena toky amin'ny ho avy ao amin'i Kristy, die antsena no tena mampalahelo amin'olo abiaby.20Fa amin'ijao fotôgna ijao die efa natsangagna tamin'ny maty Kristy, ilay vôloham-bokatr'ireo ijay maty.21 Fa satria avy tamin'ny alalan'olo raike ny fahafatesana, die avy tamin'ny alalan'olo raike mandy koa no nevian'ny fitsanganana amin'ny maty.22Fa hôtran'ny nahafatesan'ny abiaby tao amin'i Adama, die ho velomina ao amin'i Kristy mandy koa ny abiaby. 23Kanefa samby ao amin'ny filaharane manokagna ny kiraidraike: Kristy, ilay vôloham-bokatre, ary avy teo ireo ijay an'i Kristy die hatao velogna amin'ny feviane.24Avy teo die ho avy ny farane, laha homen'i Kristy hôn'Andriamanitra Iaba ny fanjakana. Ijane die laha hagnafôgna ny fitsipika abiaby sy ny fahefana abiaby ary ny hery Ijy.25 Fa tsy mentsy manjaka Ijy mandra-pametrahane ny fahavalone abiaby ao ambanin'ny hongone.26 Ny fahavalo farane haripake die ny fahafatesana.27Fa "Navelane teo ambanin'ny hongone aby ny raha abiaby." Fa vôlaja fa: "Ijy no nagnavela ny raha abiaby," die majava tsara fa tsy tafiditre ao agnatin'ijane ilay raike nagnavela ny raha abiaby hagneky ny tegnane.28 Laha magneky an'Aje ny raha abiaby, die ny Janaka mihitsy no hagneke ilay raike ijay nampagneke ny raha abiaby hôn'Aje. Hiseho ijane mba ho abiaby ao amin'ny abiaby ny Andriamanitra Iaba.29Na koa ino no ilàna ireo ijay vita batisa hôn'ny maty? Laha tsy natsangagna mihitsy ny maty, nagnino areo no natao batisa hôn-dreo?30 Nagnino are, antsena no ambava-loja isan-dera?31Miatrike fahafatesana isan'andro iaho! Ijane die ajo antoke hôtran'ny fisevosevoako ny aminareo, ijay ajoko ao amin'i Kristy Jesôsy Tompontsena. 32Ino ny tombone ajoko, avy amin'ny fomba fijahan'olombelogna, laha niady tamin'ny biby tao Efesosy iaho, laha tsy natsangagna ny maty? "Ôka antsena hihinagna sy hisotro satria ho faty antsena ampitso."33Aja mety hifitahina hoe: "Manimba ny fisaignana tsara ny naman-dratsy."34 Mandiniha! Miegna am-pahamarignana! Aja manohy magnota! Fa ny saragne aminareo die tsy managna fahalalana an'Andriamanitra. Mivoria ijane hômin'ny fahamegnaranareo iaho.35Fa ny olo raike hijaka hoe: "Aôna ny nananganana ny maty, ary amin'ny karajana vatagna ino no hevian-dreo?" 36Tsy mahalala n'ino n'ino anareo! Ijay hafafinareo die tsy hanomboke hitombo laha tsy maty ijane.37Ijay nafafinareo die tsy ny vatagna ijay ho avy, fa vône fotsine. Ijane die mety hanjary vary na raha hafa. 38Fa homen'Andriamanitra an'aje ny vatagna araka ijay safidine, ary samby amin'ny vatagne aby ny vône kiraidraike. 39Tsy ny nofo abiaby no mitovy. Fa koja, raike ny nofon'olombelogna, die hafa ny nofon'ireo biby, ary nofo hafa nen'ireo vorogna, ary hafa nen'ny laokan-drano.40Misy mandy koa ireo vatagna agne an-dagnitre sy ireo vatagnan'ny etiky an-tany. Fa karajagne raike mandy ny voninahitry ny vatagna agne an-dagnitre ary hafa ny voninahitry ny etiky an-tany. 41Raike ny voninahitry ny masoandro, ary hafa ny voninahitry ny volagna, ary voninahitra hafa nen'ireo kintagna. Fa ny kintagna raike miavake amin'ny kintagna raike hafa amin'ny voninahitre.42Hôtran'ijane koa ny fitsanganana amin'ny maty. Ijay afafy die mety simba, ary ijay atsangagna die tsy mety simba. 43Afafy tamin'ny fahafaham-baraka ijane; die natsangagna am-boninahitre. Afafy tamin'ny fahalemena ijane; die natsangagna amin'ny hery. 44Afafy amin'ny vatagna vôjagnahary ijane; die atsangagna ho vatagna ara-pagnahy. Laha misy vatagna vôjagnahary, die misy vatagna ara-pagnahy mandy koa.45Ary efa vôsoratra mandy koa fa: "Nanjary fagnahy velogna Adama ilay lelahy vôlohane." Ilay Adama farane die nanjary fagnahy magnome fiaignana. 46Fa tsy ny ara-pagnahy no avy vôlohane fa ny vôjagnahary, ary avy teo ny ara-pagnahy.47Ny olo vôlohane die avy amin'ny tany, namboarina tamin'ny bon-tany. Ny olo faharoe die avy agne an-dagnitre. 48Hotran'ilay raike namboarina tamin'ny bon-tany, hôtran'ijane koa ilay olo agne an-dagnitre, hôtran'ijane mandy koa ireo ijay avy agne an-dagnitre.49 Hôtran'ny nitondrantsena ny endrikan'ilay olon'ny bon-tany, die hitondra ny endrikan'ilay olon'ny lagnitre mandy koa antsena.50Ary ijao no vorianiko, ry rahalahy, fa ny nofo aman-drà die tsy afake ny handova ny fanjakan'Andriamanitra. Na ijay mety simba handova ijay tsy mety simba. 51Indro! Raha-marina mivony no hivorianiko anareo hoe: "Tsy ho faty aby antsena abiaby, fa hovàna aby antsena abiaby.52Hiova antsena amin'ny fotôgna raike, ao agnatin'ny indraike mipi-maso, amin'ny trompetra farane. Hagneno ny trompetra, ary ireo maty die hitsangagna ho tsy mety lo, ary die hovàna antsena. 53Fa itiky vatagna mety simba itiky die tsy mentsy hirakotre ijay tsy mety lo, ary itiky vatagna mety maty itiky die tsy mentsy hirakotre ny tsy fahafatesana.54Fa laha mirakotre ny tsy mety simba itiky vatagna mety simba itiky, ary laha mirakotra ny tsy fahafatesana itiky vatagna mety maty itiky, die ho avy amin'ilay jaka ijay vôsotra hoe: "Vôteligna tamin'ny fandesena ny fahafatesana." 55"Ry fahafatesana, aja ny fandresenao? Ry fahafatesana, aja ny fanindrognanao?"56Ny ota no fanindrognan'ny fahafatesana, ary ny herin'ny ota die ny lalàna.57 Fa isôrana Andriamanitra, ijay magnome antsena ny fandresena amin'ny alalan'i Jesôsy Kristy Tompontsena!58Noho ijane, ry rahalahy malalako, mioregna tsara ary aja mihetsiketsike. Miroboroboa fehijay amin'ny asan'ny Tompo, satria fantatrareo fa tsy very maigna ny asanareo ao amin'ny Tompo.
Chapter 16

1Ary mahakasika ny fagnangognam-bola hôn'ireo mpino, araka ny nagnatorôko lalagna ny fengonan'i Galatia, die hôtran'ijane koa no tokone hamboarinareo. 2Amin'ny andro vôlohan'ny herignandro, die tokone hanokagna raha ny kiraidraike aminareo ary hagnampirigna ijany araka ijay vitanareo. Mamboara ijany mba tsy hisian'ny fagnangognam-bola laha avy iaho.3Laha avy iaho, n'ija n'ija akenareo, die alefako miaraka amin'ny taratasy mba hagnomejako ny fagnatitrareo hôn'i Jerosalema.4 Laha ohatra ka mety amin'ahe mandy koa ny mandeha, die handeha hiaraka amin'ahe areo.5Fa ho avy agny aminareo iaho laha mandalo an'i Makedonia. Fa handalo an'i Makedonia iaho.6 Mety afake hijanogna miaraka aminareo iaho na mandritra ny rirignina mihitsy aja, mba hafahanareo magnampy an'ahe amin'ny diako, na aja na aja andihanako.7Fa tsy magniry ny hahita anareo mandritra ny fotôgna fohike iaho jao. Fa magnantegna ny hitoboke elaela miaraka aminareo, laha avelan'ny Tompo. 8Fa hijanogna ao Efesôsy iaho mandra-pevian'ny Pantekônty, 9fa efa varavaragna malalake no nivoha hôn'ahe, ary misy fahavalo rahabe.10Ary laha avy Timoty, die ejaho mba tsy hatahotre ijy miarake aminareo, fa magnano ny asan'ny Tompo ijy, hôtran'ny amboariko. 11Aja avela hisy olo hagnano tsinotsino an'aje. Ampio ijy amin'ny làlagnane amin'ny fedagnana, mba hafahane megneo amin'ahe. Fa magnantena an'ajy mba ho avy hiaraka amin'ireo rahalahy iaho. 12Ary mahakasika an'i Apolosy rahalahintsena, die nandrisike an'ajy mahare iaho mba hamangy anareo miaraka amin'ireo rahalahy. Fa mbola tsy vognona tanteraka ny ho avy ijy ijao. Na ijany aja, ho avy ijy laha mety ny fotôgna.13Membena, mijoroa tsara amin'ny finôna, mesà hôtran'ny lelahy, mahereja. 14Ôka hamboarina am-pitiavana ijay amboarinao abiaby.15Fantatrareo ny fianakavian'i Stefanasy, fa areo no niova fo vôlohane tao Asaia, ary areo nametrake ny tegnan-dreo hômin'ny fanompôna ireo mpino. Ary mandrisike anareo iaho, ry rahalahy, 16mba hagneky ny olo hôtran'ijane sy amin'ny olo abiaby ijay magnampy amin'ny asa sy miasa miaraka aminay.17Mifaly amin'ny fevian'i Stefanasy, Fortinatasy, ary Akaiosy iaho. Nameno ny tsy naha-teo anareo areo. 18Fa namelombelogna ny fagnahiko sy nenareo areo. Ka noho ijane, fantaro ny olo hôtran'ijane.19Ireo fengonan'i Asia die magnano veloma anareo. Akila sy Pristila magnano veloma anareo ao amin'ny Tompo, miaraka amin'ny fengonana ijay ao amin'ny fonegnan-dreo. 20Ny rahalahy abiaby magnano veloma anareo. Mifanôva veloma amin'ny oroka masina.21Iaho, Paoly, manoratre itiky amin'ny tagnako. 22Laha misy olo tsy tia ny Tompo, enga anie mba ho vôfatre ijy. Ho avy, ny Tompontsena! 23Hôminareo anie ny fahasoavan'i Jesôsy Tompo. 24Hôminareo abiaby ny fitivako ao amin'i Jesôsy Kristy. [Fagnamarihana: Ny dikan-teny talohake die magnampy hoe: ''Amena.'' Fa ny vaovao rahabe hafa, ao agnatin'ijane ny ULB sy ny UDB, die mangala ijane.]

2 Corinthians

Chapter 1

1Paoly, apostoly raike an'i Kristy Jesôsy tamin'ny sitrapon'Andriamanitra, sy Timoty rahalantsena, ho an'ny fiangonanan'Andriamanitra ijay ao amin'ny Korinto, ary ho an'ireo mpino abiaby magnerana ny faritry Akaia. 2Ho aminareo anie ny fahasoavana ary ny fiadanana avy amin'Andriamanitra Raintsena sy Tompo Jesosy Kristy.3Ho deraina anie ny Andriamanitra sy Iaban'ny Tompontsena Jesôsy Kristy. Ijy no Iaban'n'y famindram-po abiaby sy Andriamanitry ny fampionognana abiaby.4 Andriamanitra die mampionogna antsena amin'ny fahoriantsena abiaby, ka mba ahafahantsena mampionogna ireo ijay ao agnaty fahoriana. Antsena die mampionogna ireo hafa hôtrin'ny fampionognana ijay nampiasan'Andriamanitra ampionognana antsena.5Fa hôtrin'ny ny hitomboan'ny fijalian'i Kristy nohon'ny aminay, no hitomboan'ny fampionognana anay koa amin'ny alalan'i Kristy. 6Fa laha nampahoriana ahay, ijany die ho amin'ny fampiononagna sy famonjena anareo. Ary laha nampiononogna ahay, ijany die ho an'ny fampiononagna anareo. Ny fampionognanareo die mandaitre laha manam-paharetana hijara ireo fijaliana ijay mitovy amin'ny fijalianay koa. 7Fa ny fahatokisanay momba anareo die ajo antoke, satria ahay die mahafantatre fa anareo koa die mijara ireo fijaliana, anareo koa die mijara fampiononagna.8Fa tsy tianay anareo tsy ahafantare, ry rahalahy, ny amin'ireo olagna nanjo anay tany Asia. Ijahay die novesarina tenterake mihoatran'ijay tokony ho jakanay, betsaka lôtre ka tsy nagnantegna ny hiaigna ela koa ahay. 9Teo aminay tokôtre ny fagnamelohagna ho faty. Fa ijany no nahatonga anay tsy ho faty. Fa ijany no nahatonga anay tsy hametrake ny tokinay eo amin'ny tegnanay mandy, fa koja amin'Andriamanitra ijay mampitsangana ny maty. 10Nagnavotra anay tamin'ny loja mahafate hôtrin'ijany Ijy, ary mbola hagnavotra indraike. Ijahay die nametrake ny tokinay tamin'Aje fa mbola hagnafake anay indraike Ijy11Ijy die hagnano ijane satria anareo koa die magnampy anay amin'ny alalan'ny vavakareo. Ary rahabe avy eo no hagnome fisôrana amin'ny agnaranay noho ny tombom-pahasoavana nomena anay tamin'ny alalan'ireo vavake ny maro12Ahay die mirehareha amin'ijao: Fijorôna vavolombelogna ny amin'ny feon'ny fieritreretanay. Fa tamin'ny fikasana madio sy fahatsoram-po ijay avy amin'Andriamanitra ijay nitondranay ny tegnanay ao amin'ijao tontolo ijao. Ahay die nahavita ijany abiaby ijane ary ny habejany niaraka taminareo_tsy tamin'ny fahandren'ijao tontolo ijao, fa tamin'ny fahasoavan'Andriamanitra. 13Ahay die tsy nanoratre raha tsy ho vôvaky na ho ajonareo. Iaho die magnatena fa,14 satria anareo nahajo ny momba anay amin'ny ampahany, ahay die ho antony reharehanareo amin'ny andron'ny Tompontsena Jesôsy, hôtrin'ny anareo ho antony hireharehanay.15Satria natoky ny momba ijany iaho, die te ho agny aminareo aloha, mba hahafahanareo mahajo tombone amin'ny fitsidihana roe.16 Niomagna ny hitsidika anareo laha tegne amin'ny lalako ho agne Makedonia aho. Ary avy eo die mbola nagniry hitsidike anareo indraike aho tamin'ny diako avy lahatagne Makedonia, ary ny mba hagnateranareo an'ahe tegne amin'ny lalako ho agne jodia avy eo.17Laha nieritreritre hôtran'ijany iaho, die nisalasala ve aho? Nangnomana ireo raha ireo araka ny nofo ve iaho, mba hijakako." Eke, eke" sy "Tsia, tsia amin'ny fotôgna raike mandy? 18Fa satria Andriamanitra die mahatoky, antsena die tsy afake ny hijaka na "Eke" na "Tsia."19Fa ny Janak'Andriamanitra, Jesôsy Kristy, ijay nitorian'ny Sylvanosy, Timoty ary iaho taminareo, die tsy "Eke" na "Tsia." fa Ijy die nijaka fehijay hoe"Eke." 20Satria ny fampagnantenan'Andriamanitra abiaby die" Eke" aby ao amin'Aje. Ka amin'ny alalagne koa antsena die hijaka hoe"Amena" ho an'ny voninahitr'Andriamanitra.21Ary Andriamanitra ijay magnamafy anay aminareo ao amin'ny Kristy, ary Ijy no nagniraka antsena. 22Ijy die nagnisy tombo-kase tamintsena ho antok'ijay mbola homene antsena ao afara.23Fa nagnatso an'Andriamanitra iaho, hijoro vavolombelogna ho an'ahe ijay antone tsy niaviako tao Korinto mba hamindrako fo aminareo. 24Ijany die tsy sagnatria noho ahay miejake ny mamehe ijay tokone ho finoanareo, Fa koja, ahay die miara-miasa aminareo amin'ny fifalianareo, satria anareo mijoro amin'ny finoanareo.
Chapter 2

1Fa nanapa-kevitra tsy hagnantogna anareo mandy koa ny tegnako amin'ny fotôgnam-pangirifirena. 2Laha niteraka alahelo anareo aho, ija no afaka mampifaly anahy ankôtr'ilay raike ijay niratraiko ihiany.3Nanoratra aho hôtran'ny namboariko ba tsy ho vôratran'ireo ijay tokony nampifaly anahy laha efa avy lahatagny aminareo. Iaho die managna fahatokisana ny aminareo manontolo fa ny fifaleko die fifalena mitovy amin'ny anareo manontolo. 4Fa nanoratra hônareo aho avy amin'ny fahorena angejabe, miaraka amin'ny fangirefiren'ny fo, ary miaraka amin'ny ranomaso be. Tsy te-hampalahelo anareo aho. Fa koja, te hampahalala anareo ny halaligny ny fitiavana ijay anagnako hônareo.5Laha nisy olo niteraka alahelo, tsy niteraka anijany taminahy mandy ijy, fa amin'ny endrika hafa tsy hahitanareo lôtre anijany amin'areo manontolo. 6Ampy ny fagnasajena namboarin'ny olo maro agnisa. 7Ka ankehitriny laha tokony hagnavela heloka sy hampionogna anajy. Amboary ijany ba tsy handifotra anajy amin'ny alahelo be lôtre.8Noho ijany mankahery anareo aho ba hagnamafy ampahibe-maso ny fitiavanareo Anajy. 9Ijany no antony nanoratako, amin'ijy ba mety hitsapako anreo ary hahalalako na mankasitraka amin'ny raha manontolo anareo.10Laha magnavela olo anareo, mamela an'ijany olo jany koa aho. Ijay navelako, laha magnavela ny raha manontolo aho, ijany famelana ijany die fitiavana anareo amin'ny fagnatrehan'i Kristy. 11Ijany die ba tsy hamitahan'ny Satana anay. Satria ahay die mahalala ireo paikane.12Nivoha hônahy ny varangaragna tamin'ny Tompo laha efa avy tao amin'ny tanà-dehibe an'i Troasy nitory ny filajantsara an'i Kristy tagny. 13Na ijany aja, tsy managna fedanasaigna aho, satria tsy nahita ny rahalahiko Titosy tagny. Araka ijany, nandao anajy ireo aho ary nenga niverigna tagny Makedonia.14Fa fisôrana anis hôn'Andriamanitra, ijay ao amin'ny Kristy mitarka anay mandrakariva ao amin'ny fandresena. Amin'ny alalantsena die haboeliny na aja na aja ny hagnitra amin'ny fahalalana anajy.. 15Fa ahay die hagnitra amin'ny Kristy an'Andriamanitra, na teo amin'ireo ijay nivonjena sy teo amin'ireo ijay ho mate.16Hôn'ny olo ijay ho mate, ijany die hagnitra lahatami'ny fahafatesana ho amin'ny fahafatesana. Hôn'ireo sasagny ijay nivonjena, die hagnitra lahatami'ny fiegnana ao amin'ny fiegnana. Ija no tsara amin'ireo raha ireo? 17Fa ahay die tsy mitovy amin'ireo olo rahabe ijay mivarotra ny jakan'Andriamanitra ba hajahôna tombony. Fa koja, amin'ny fahadiovam-po, no hivoriananay amin'i Kristy, satria nalefa avy lahatamin'Andriamanitra ahay, tao amin'ny fahitan'Andriamanitra.
Chapter 3

1Hanomboka hidera-tegna ve ahay? Ahay die tsy ireo taratasy fagnamarihana aminareo na avy aminareo, toy ny olo sasagne, sa tsy jay? 2Ny tegnanareo no taratasy fagnamarihanay, ijay vôsoratra ao am-potsena, ijay fantatra ary vakin'ny olo abiaby.3Anareo die maneho fa taratasy fagnambarana avy amin'i Kristy, ijay natolontsena. ijany die tsy vôsoratra tamin'ny rano menty fa tamin'ny fagnahin'ilay Andriamanitra velogna. Ijany die tsy vôsoratra teo amin'ny takela-bato, fa teo amin'ny takelaky ny fon'olombelogna.4Ary ijany no toky ijay anagnantsena eo agnatrehan'Andriamanitra amin'ny alalan'i Kristy. 5Atsena die tsy mahefa amin'ny tegnantsena ba handray na ino na ino ijay avy amintsena. Fa koja, ny fahefan-tsena die avy amin'Andriamanitre. 6Andriamanitra no nagnano antsena ba ho mpanompon'ny fagnekena vaovao. ijany die fagnekena tsy avy amin'ny soratra mamono, ary ny Fagnahy magnome aigna.7Ary ny asa ijay niteraka fahafatesana - die vôsoratra teo ambonin'ny vato - die lasa tanim-boninahitra lehibe ka ny vahôkan'Israely die tsy afaka nijery ny tavane, ny voninahitra ijay nihavelogna. 8Ho voninahitra lehibe toy ny ahoana ny asa ijay ataon'ny fagnahy?9Fa laha nanagna voninahitra ny asan'ny fagnamelohana, die ho toy ny ahôna ny fitombôn'ny voninahitry ny asan'ny fahamarinana! 10Satria tokôtre, ijay namena voninahitra idray mandeha die tsy hanam-boninahitra koa amin'ijany fomba ijane, noho ny voninahitra ijay mampitombo ijane. 11Fa laha ijay nandalo fotsiny no nanagna voninahitre, die tsy hanagna voninahitra mihôtrana noho ijany ve ijay maharitre!12Satria managna toky tahaka ijany atsena, die mahasahy tokôtre. 13Atsena die tsy tahakan'i Mosesy, ijay nanakotra ny tarehiny tamin'ny voaly, ba tsy hahafahan'ny vahôkan'Israely mijery an'aje mivantagna amin'ny fiafaran'ny voninahitra ijay nandalo mandy.14Fa ny sain-dreo die donto. Na die mandrak'ijao ijany voaly ijany die bola mivela eo amin'ny famakena ny fagnekena taloha. Tsy misokatra ijany, satria ao amin'i Kristy mandy ijany no alaina. 15Nefa na die amin'ijao aja, na ho vena na ho vena no vakina ny lalàn'i Mosesy, die mandrakotra ny fon-dreo ny voaly. 16Nefa laha mitodika amin'ny Tompo ny olo, die alaina ny voaly.17Ary ny Tompo die Fagnahy. Ijay misy ny Fagnahin'ny Tompo, die misy fahafahana. 18Ary atsena rehetra, tsy misarom-boaly, die mahita ny voninahitry ny Tompo. Atsena di'efa vôvao ho oa amin'ny voninahitra mitovy ijay amin'ny voninahitra ho amin'ny voninahitra, ijay avy amin'ny Tompo, ijay tsy ija fa ny Fagnahy.
Chapter 4

1Noho ijany, satria ahay managna ijany asa fanompôna ijany, ary vôha nahajo famindram-po, die kivy ahay. 2Fa koja, nilavinay ireo fomba mahamegnatra sy mivony. Tsy miaigna amin'ny fitaka ahay, ary mampiasa marina ny jakan'Andriamanitra. Amin'ny fanehôna ny marina, ahay die mandidy ny tegnanay ny amin'ny feon'ny fieritreretan'ny olo ba hindao eo imason'Andriamanitra.3Fa laha vôsarogna ny filajantsara, ijany die ho vôsarogna amin'ireo ijay maty raike mandy. 4Amin'ny toe-javatra mitranga amin'ijy ireo, ny andriamanitr'ijao tontolo ijao nahajamba ireo saigna tsy minon'ijy ireo. Vokatr'ijany, tsy afaka mahita ny fahajavan'ny filajantsaran'ny voninahitr'i Kristy ijy ireo, ijay endrik'Andriamanitra.5Fa hay tsy magnambara ny tegnanay, fa i Kristy Jesôsy hôtran'ny Tompo, ary ny tegnanay hôtran'ny mpanomponareo nohon'ny amin'ny Jesosy. 6Fa Andriamanitra die le raike je nijaka hoe: ''Fa ny fahajavana hamiratra ao amin'ny hejigna.'' Ijy namiratra tao am-ponay, ba hagnome ny fahajavan'ny fahalalana ny voninahitr'Andriamanitra eo amin'ny fagnatrehan'i Jesosy Kristy.7Fa ahay managna anijany harena ijany ao agnaty tavoara tanimanga, ba hajava fa ny hery lehibe mihôtra lavitra die an'Andriamanitra fa tsy anay. 8Ampijalena amin'ny fomba rehetra ahay, fa tsy resy. Very hevitra ahay fa tsy feno famoijam-po. 9Enjehina ahay fa tsy nilôjana. Vonina ahay fa tsy rava. 10Mitondra eo amin'ny tegnanay ny fahafatesan'ny jesosy hatragny ahay, amin'ijay ny fiaignan'i Jesosy mandy koa die hiseho eo amin'ny tegnany.11Ahay je velogna die mitondra hatragny ao amin'ny vatagnay ny fahafatesan'ny jesosy, amin'ijay ny fiagnan'ny Jesosy die hiseho eo amin'ny vatagnay olombelogna.12 Noho ijany ny fahafatesana die miasa ao amitsena, fa ny fiegnana miasa ao aminareo.13Fa ahay managna fagnahin'ny finôna mitovy araka jay vôsoratra hoe: 14''Nino aho, ary die nijaka aho.'' Mino mandy koa ahay, ary die nijaka hiany koa ahay. Fantatray fa le Ray ijay nanangagna ny Tompo Jesosy die hanangagna antsena ihiany koa miaraka amin'i Jesosy. Fantatray fa hitondra anay miaraka aminareo ao amin'ny fagnatrehany Ijy. 15Ny raha manontolo die vôparitaka tamin'ny olo rahabe, no hitomboan'ny fagnomejam-pisaorana ao amin'ny voninahitr'Andriamanitra.16Noho ijany die tsy ho kivy ahay. Na die malemy ivelany aja ahay, die havôjina isan'andro isan'andro ny ao agnatiny. 17Fa amin'ijao andro mandalo ijao, ny fijalena mevagna die magnomagna anay ho amin'ny lanjan'ny voninahitra maharitra mandrakijay je mihôtra ny fandanjana manontolo. 18Fa antsena tsy mijaha raha ijay hita, fa ireo raha tsy hita. Ireo raha ijay tsy hita die maharitra mandrakijay.
Chapter 5

1Fantantsena fa laha rava ny fonegnana eto an-tany ijay ipetrahantsena, die managna tragno avy amin'Andriamanitra antsena. Ijany die tragno tsy nataon'ny tagnan'olombelogna, fa tragno mandrakijay, agny an-dagnitra. 2Fa eto amin'itoy tragno-ny toy antsena no misento, magniry mafy ny hitafy ny fonegnatsena agny an-dagnitra.3 Magniry mafy ijany antsena satria amin'ny fanôvantsena ijany die tsy ho hita mijily antsena.4Fa laha bola eto amin'itoy tragno-lay itoy tokôtra antsena, die misento, mavesatr'entagna. Tsy te hijily antsena. Fa koja, te hisikina antsena, mba ho atelignin'ny fiaigna ijay mety maty. 5Ny Raika ijay nagnomagna antsena ho amin'ijany raha ijany indrindra die Andriamanitra, ijay ho avy.6Noho ijany die mahatoky hatragny. Tongava saigna fa laha efa ao an-dragno amin'ny vatagna antsena, die lavitre ny Tompo. 7Fa mandeha amin'ny finôna antsena, fa tsy amin'ny fahitana.8 Noho ijany die managna fahatokiena antsena. Aleontsena lavitry ny vatagna fa ao an-dragno miaraka amin'ny Tompo.9Ka die ataontsena tanjogna ijany, na agny an-dragno antsena na lavitra ijany, mba hahafinaritra Anajy. 10Fa antsena manontolo die tsy maintsy hiseho eo alohan'ny seja fitsaràn'i Kristy, mba mety ajahôn'ny tsiraidraika ijay mifagnaraka amin'ny java-bita tao amin'ny vatagna, na ho amin'ny tsara na ho amin'ny ratsy.11Noho ijany, ny fahafantarana ny tahotra ny Tompo, no handresetsena lahatra ny olo. Ny maha antsena antsena die hitan'Andriamanitra majava. Antenaiko fa majava amin'ny feon'ny fiertreretanareo mandy koa ijany. 12Tsy miejaka ny handresy lahatra anareo ndraika ahay mba hijaha anay hôtran'ny mahitsy fo. Fa koja, magnome antony hônareo hirehareha nohon'ny aminay ahay, ba hanagnanareo valiteny ho an'ireo ijay mirehareha ny amin'ny endrika ivelany fa tsy ny amin'ijay ao am-po.13Fa laha very saigna ahay, die hôn'Andriamanitra ijany; ary laha tonga saigna tsara ahay, die hônareo ijany. 14Fa ny fitiavan'i Kristy no manery anay, satria ajonay antoka ny hoe: nisy olo raika maty hôn'ny manontolo, ary noho ijany die maty ny manontolo. 15Maty Ijy hôn'ny manontolo, ba tsy ho velogna hôn'ny tegnany rerika mandy ireo je velogna fa hôn'Ajy ijay maty ary natsangagna nohon'ny fitiavana anajy ireo.16Noho ijany antony ijany, manombok'ijao die tsy mitsara na ija na ija araka ny fomban'ny olombelogna antsena, na die efa nijery an'i Kristy tahaka anijany aja antsena taloha. Fa ankehitriny antsena die tsy mitsara na ija na ija hôtran'ny ijany koa. 17Noho ijany, laha misy olo ao amin'ny Kristy, die olom-bôvao ijy. Efa lasa ny raha taloha, fa efa nanjary vôvao ijy ireo.18Ireo raha manontolo ireo die avy amin'Andriamanitra. Nampihavaniny tamin'ny Tegnany tamin'ny alalan'i Kristy antsena, ary nameny antsena ny asa fanompôn'ny fampihavanana. 19Ijany hoe, ao amin'ny Kristy Andriamanitra no mampihavana an'ijao tontolo ijao amin'ny Tegnany, tsy magnisa ny fahadisôn'ijy ireo amin'ijy ireo. Nankininy taminay ny hafatry ny fampihavanana.20Ka vôtendry ho mpisolotegna an'i Kristy ahay, hôtran'ny hoe amin'ny alalanay no hagnanôvan'Andriamanitra ny fentsône. Mengavy anareo ahay, noho i Kristy: ''Mihavàna amin'Andriamanitra !'' 21Namboariny nanjary ho sorogna hôn'ny fahotantsena Kristy. Ijy ilay Iray jay tsy nagnota mihitsy. Namboariny ijany ba ho tonga fahamarinan'Andriamanitra ao aminajy antsena.
Chapter 6

1Miara-miasa aminajy, ahay mandy koa die mapirisika anareo tsy handray ny fahasoavan'Andriamanitra fahatany. 2Fa nijaka ijy hoe: ''Tamin'ny fotôgna mety die niteno anareo Aho, ary tamin'ny andron'ny famonjena die nagnampy anareo Aho. Jereo, ankehitriny no fotôgna mety. Jereo, ankehitriny ny andron'ny famonjena. 3Tsy mametraka vato mahatafantohigna eo alohan'ija n'ija ahay, fa ahay tsy magniry ny haharatsy laja ny asa fanompônay.4Fa koja, ahay die magnaporofo ny tegnanay amin'ny asanay abiaby, fa mpanompon'Andriamanitra ahay. Ahay no mpanompony amin'ny feretana be, fahorena, fahaterena, fahasarotana, 5ireo fioke, fagnagadrana, fikomena, amin'ny asa mafy, amin'ireo aligna tsy misy torimaso, amin'ny mosary, 6amin'ny fahadiovana, fahalalana, faharetana, fahatsoram-po, amin'ny Fagnahy Masigna, amin'ny tena fitiavana. 7Ahay no mpanompony ao amin'ny jakan'ny fahamarinana, ao amin'ny herin'Andriamanitra. Ahay die managna ny ferovan'ny fahamarinana hôn'ny tagnana havanana sy havia.8Ahay die miasa amin'ny voninahitra sy amin'ny fahafaham-baraka, amin'ny fagnaratsena sy fiderana. Ahay die vôpanga ho mpamitaka kanefa ahay die marina. 9Ahay die miasa hôtran'ny tsy misy mahafantatra kanefa ahay die bola fanta-daja. Miasa hôtran'ny ho faty ahay, jereo bola miaigna ahay. Miasa ahay hôtran'ny sajina nohon'ny asanay nefa tsy hôtran'ny vôheloka ho maty. 10Ahay die miasa hôtran'ny malahelo, kanefa die mifaly lalandava. Ahay die miasa hôtran'ny mahantra, kanefa die mampanakarena olo rahabe ahay. Miasa hôtran'ny tsy managna na ino na ino ahay, kanefa hôtran'ny managna ny raha manontolo.11Ahay die nijaka ny marina manontolo taminareo, ry Korintiana, ary ny fonay die mivoha midagnadagna. 12Ny fonareo die tsy nifihejinay, fa anareo no namehy ny fihetseham-ponareo manokagna. 13Ary ho valin'ny ara-drariny mijaka aminareo hôtran'ny jaja aho, avy hidagnadagna ny fonareo.14Aja mifamatotra amin'ireo tsy mpino. Fa ino no iresan'ny fahamarinana sy ny fandikan-dalàna? Fa ino no iarahan'ny mejigna amin'ny majava? 15Ino no mety ho fifagnarahana eo amin'i Kristy sy ny Beliala? Na ino no tokony anjara anagnan'ny mpino raike sy amin'ny tsy mpino raike? 16Ary ino no fifagnarahana misy eo amin'ny tempolin'Andriamanitra sy ny Sampy? Fa antsena die tempolin'Andriamanitra velogna, araka ny efa nijakain'Andriamanitra hoe: ''Hitoetra eo amin'ijy ireo Aho ary handeha eo amin'ijy ireo. Aho die hôndrin'Andriamanitr'ijy ireo ary ijy ireo die ho oloko.''17Noho ijany, ''Movoaha hiala eo amin'ijy ireo, ary mitokana,'' hoy ny Tompo. ''Aja makasika raha maloto, ary Aho handray anareo. 18Aho die ho Ray hônareo, ary anareo ho janako lahy sy ho janako vavy'', hoy ny Tompo Tsitoha.
Chapter 7

1Ny malalako, hatramin'ny nagnanantsena ny teny fikasana die ôka antsena hagnadio ny tegnatsika amin'ny java-drehetre ijay mahatonga fahalotôna eo amin'ny vatagna sy fagnahitsena. Ôka antsena hiremby ny fahamasinana amin'ny fatahorana an'Andriamanitra.2Reso ahay! Fa tsy nagnano ratsy tamin'ija na ija. Tsy nandratra na nagnararaotea n'ija n'ija ahay. 3Tsy hagnameloka anareo no hijakako ijao. Fa efa nijakaiko fa ato amponay anareo, fa miara-maty ary miara-velogna antsena. 4Managna fahatokisana lehibe anareo iaho, ary mirehareha nohon'ny aminareo. Feno fampionognana iaho. Mitobatobake ny hafalieko na die eo aja ny fampahoriena manontolo.5Laha efa tonga tagny Makedonia ahay, tsy hanam-pitsaharana ny tegnanay. Noho ijany, ory tamin'ny fomba manontolo ahay nohon'ny fifandirana tagny ivelagne, sy ny tahotra tao agnaty. 6Fa Andriamanitra, ijay mampahery ny kivy, nampahery anay tamin'ny fahatongavan'i Titosy. 7Tsy tamin'ny alalan'ny fahatongany fotsiny no hampaherejan'Andriamanitra antsena. Fa tamin'ny fampaherejana ijay noresin'i Titosy avy aminareo. Mijaka antsena ijy ny qmin'ny hamaron'ny fitiavanareo, ny alahelonareo, ary ny fiahinareo anahy laligna. Ka hifaly mandrakijay iaho.8Na die nampalahelo anareo aja ny taratasiko, die tsy nampanegnina anahy ijany. Fa nanegnina tamin'ijany aho laha efa nahita fa nampalahelo anareo ijany. Fa nalahelo nandritry ny fotôgna fohike anareo. 9Ankehitriny die faly aho, tsy hoe satria ory anareo, fa satria ny alahelonareo no nitondra anareo ho amin'ny fibebahana. Anareo die niaigna ny fahorena ao amin'Andrianitra, koa tsy nisy very nijalenareo hônay. 10Ny fahorena ao amin'Andriamanitra die mitondra amin'ny fibebahana ny mba hahatanteraka ny famonjena. Na ijany aja, ny alahelon'ijao tontolo ijao, die mitondra fahafatesana.11Jahay ny vokatry ny fahalebejan'ny fikirijanareo tamin'ny fahorena ao amin'Andriamanitra. Lehibe tokôtre ny hangejan'ny fikirijana tao aminareo ba hagnaporofo fa tsy manan-tsigny anareo. Lehibe tokôtra ny halehiben'ny fahavigniranareo, ny tahotrareo, ny alahelonareo, ny jotom-ponareo, ary ny fagnirenareo hahita ny fahamarinana ijay tokony natao! Ambon'ny raha manontolo die nagnaporofo tamin'ny tegnanareo anareo ba tsy ho meloka amin'ijany raharaha ijany. 12Na die nanoratra taminareo aja Aho, Ijaho die tsy nanoratra hôn'ny mpagnano ratsy. Nanoratra aho ba tokony hampahalalana ny fahajotônareo teo aminay eo anatrehan'Andriamanitra.13Tamin'ny alalan'ijany no nampaherejana anay. Mihôtra nohon'ny fampaherejana ijay efa anagnanay, mihôpanpagna ny fifaleny nohon'ny fifalen'i Titosy, satria ny fagnahiny die velombelogna nohon'ny aminareo manontolo. 14Laha ohatra ka nirehareha taminajy ny momba anareo aho, die tsy afa-baraka aho. Mifanohitra amin'ny ijany, ireo raha manontolo ijay nijakainay taminareo dia marina daholo, ny fireharehanay momba anareo tamin'i Titosy die vôporofo fa marina tegnane.15Ny fitiavany anareo die lehibe kokoa, tahakan'ny nahatsarovany ny fankatoavanareo manontolo, Jahay ny fandresanareo anajy tamin'ny tahotra sy hitakitake. 16Faly aho satria nanagna fahatokisana tanterake taminareo.
Chapter 8

1Tianay ho fantatrareo, ry rahalahy, ny mahakasika ny fahasoavan'Andriamanitra ijy nomena tao amin'ireo fengonan'i Makedonia.2 Nandritran'ny fitsapana makadiry amin'ny fahorena, ny fitondraky ny hafaliena sy ny fara-fisotrian-dreo die namaitre harena makadirin'ny falalahan-tagnana.3Satria mijoro vavolombelogna iaho fa nagnano be arak'ijay vitane areo, ary mihôtra an'ijay vitany aja. Ary tamin'ny sitrapon-dreo manokagna 4sy niaraka tamin'ny fitaraignana mahare no nangatahan-dreo taminay ny fahafahana mba hanagna anjara amin'itiky asa fanompôna eo amin'ireo mpino itiky. 5Tsy niseho arak'ijay nantenainay ijane. Fa koja, nanolotra ny tegnane meloha tamin'Andriamanitra areo. Ary nanolo-tegna hônay areo tamin'ny sitrapon'Andriamanitra.6Ka nandrisika an'i Titosy ahay, ijay efa nanomboka an'ijane asa ijane, mba hagnatanteraka ny fahasoavana eo aminareo. 7Fa anareo koja die manan-karena amin'ny raha abiaby, amin'ny finôna, amin'ny jaka, amin'ny fahalalana, amin'ny fahajotôna abiaby, ary amin'ny fitiavanareo anay. Ka atôvy ajo antoke mba hanan-karena amin'ijane asa fahasoavana anareo. [NY ULB sy ny UDB, miaraka amin'ireo dikan-teny maro hafa, die mivaky hôtran'ijao: "Ao amin'ny fitiavanao anay." Ny dikan-teny hafa die mivaky mivaky hôtran'ijao: "Ary ao amin'ny fiavanay anareo"]8Tsy mijaka ijane hôtran'ny didy iaho. Fa koja, mijaka ijane iaho amin'ny fitsapana ny fahamarignan'ny fitiavanareo amin'ny fampitahana ijane amin'ny joto-pon'olo hafa.9 Satria fantatrareo ny fahasoavan'i Jesôsy Kristy Tompontsena. Ka na nanan-karena aja ijy, die nanjary misotry loholoho anareo, ka amin'ny alalan'ny fisotriana no mety ajahônareo harena.10Amin'ijane voria ijane die hagnome toro-hevitre anareo iaho ijay hagnampy anareo. Herintaogna dilatre ijay, die tsy nanomboke nagnano raha fotsine anareo, fa nagniry ny magnano ijane. 11Ankehitriny vitay ijane, hôtran'ny nisian'ny joto-po sy fagnirena hagnano ijane, die enga anie hagnatontosa ijane koa anareo, arak'ijay ajonareo hamboarina. 12Satria laha magniry mahare ny hagnano ijane asa ijane anareo, die raha tsara sy ajo ekena ijane. Tsy mentsy mifototre amin'ijay hanagnan'olo raike an'ijane, fa tsy ijay tsy anagnane.13Fa ijane asa ijane die tsy mba hagnamevagna ny hafa ary hagnavesatre anareo. Fa koja, tokone hisy rarine.14 Ny harenanareo amin'ijao fotôgna ijao die hagnome ijay rombejin-dreo. Ka ijane koa die mba hagnomejan'ny harenan-dreo ijay rombejinareo. Ary mba agnomejan-dreo ny rarine. 15Araka ijay efa vôsoratra hoe: "ilay raike ijay nanagna rahabe die tsy nanagna sisa, ary ilay raike ijay nanagna ny bitike die tsy nanagna ny tsy ampy.16Fa an'Andriamanitra ny fisôrana, ijay nagnavela ny tao am-pon'i Titosy ny fahamatorana ijay anagnako aminareo.17 Fa ijy tsy nagneky ny haikan-tsena, fa tena matotre ny amin'ijane mandy koa. Nagnantogna anao tamin'ny sitrapone manokagna ijy.18Nampengainay ijy niaraka tamin'ilay rahalahy ijay nideraina teo agnivon'ny fengonana abiaby noho ny asane ijay mitory ny filajantsara. 19Tsy ijay mandy, fa ijy mandy koa die nitondroin'ireo fengonana mba hienga hiaraka aminay hitondra ijao asan'ny falalahan-tagnana ijao. Ijane die hôn'ny voninahitr'ijy Tompo ary hon'ny fagnirenay hagnampe.20Mitandrigna ahay ny amin'ny mety hisian'olo mitaraigna mombanay mahakasika an'io sa falalahan-tagnana ijay hamboarinay io. 21Ka mila mitandrigna ahay mba hagnano ny mete, fa tsy eo agnatrehan'ny Tompo irerike mandy, fa eo alohakan'olo koa.22Mandefa rahalahy raike hafa mandy koa ahay miaraka amin-dreo. Matetike ahay no nitsapa an'aje, ary nahita an'aje mafana fo tamin'ny asa rahabe. Majoto loholoho ijy ijao ankehitriny noho ilay fahatokisane makadiry ijay anagnane aminareo.23 Laha ny amin'i Titosy, ijy no akamako sy mpiara-miasa amin'ahe hônareo. Laha ny amin'ny rahalahinay, die nalefaan'ireo fengonana areo. Voninahitre hôn'i Kristy areo.24 Ka atoroy an-dreo ny fitiavanareo, ary atoroy amin'ny fengonana ny anton'ny fireharehanay momba anareo.
Chapter 9

1Mikasika ny asa fanompôna ho an'ny mpino, tsy tena ilaiko ny manoratre ho anareo.2 Fantatro ny momba ny fagnirianareo, ijay ireharehako amin'ny olon'ny Makedonia. Nojakaiko an-dreo fa Akaia die efa vognona nanomboke tamin'ny taogna lasa. Ny jotom-ponareo no nanosike ny ankamaroan-dreo hiasa.3Ary nirahiko ny rahalahy mba tsy ho java-pôgna ny fireharehantsena momba anareo, ary mba ho vognona ianareo, araka ny efa nojakaiko ho anareo. 4Laha tsy ijany, laha misy makedoniaiana rahabe miarake amin'ahe ary mahita anareo mbola tsy vognona, die ho megnatre antsena-tsy mijaka n'ino n'ino momba anareo aho-noho ny fahatokiana anareo. 5Ka mieritreritre iaho fa ilaina ny mamporisike ireo rahalahy henga agny aminao ary hagnano fifagnarahana mialoha ny amin'ny fagnomejana efa nanpagnatenainao. Ijany die ahafahana mivognona hôtrin'ny fitahiana, fa tsy hôtrin'ny raha tsy ajo ekena.6Ny tena ijy die itoy: Ny raike ijay mamafe bitike die hambele ny bitike mandy koa, ary ny raike ijay mamafe amin'ny tanjom-pitahiana die hambele fitahiana mandy koa. 7Abelao ny kiraidraike hagnome arake ijay efa norafetine tao am-pone. Aja abela magnome fahoriana na faneriterena ijy. Fa ny mpagnome am-pifaliana no tian'Andriamanitra.8Ary Andriamanitra die afake mampitombo ny fitahiana ho anao, mba, amin'ny raha abiaby, die afake hahajo ijay ilainareo abiaby fehijay anareo. Ijany no misy die mba ahafahanareo manatombo ny asa soa anareo.9 Ijany die arake ny vôsoratre hoe:" Nojaraine ireo harenane ary nagnome an'iregne ho an'ny misotry. Maharitre mandrakijay ny fahamarignany."10Ijy ijay mamatsy voa ho an'ny mpamboly ijay mamafe sy ny mofo ho an'ny sakafo, die hamatsy sy hampitombo ny voanao mandy koa ho amin'ny famafajana. Hampitombo ny vokatry ny fahamarinanao ijy. 11Hahajo haregna amin'ny fomba abiaby anao mba hahatonga anao ho malala-tagnana. Ijany die hitondra fanehoam-pisôrana an'Andriamanitra amin'ny alalanay.12Ny fagnatanterahana io asa fanompôna io die tsy vitan'ny hoe mahafeno ny raha ilain'ny mpino fotsiny mandy. Mitombo mandy koa ijany amin'ny asa fanomejam-pisôrana rahabe an'Andriamanitra. 13Fa noho ny fitsapana anareo ijay vôporofo amin'io asa io, die hagnome voninahitre an' Andriamanitra koa anareo amin'ny fankatovana ny fibabohanareo amin'ny filanjantsaran' i kristy. Die hagnome voninahitre an'Andriamanitra koa anareo amin'ny fahalalan-tagnanareo amin'ny fagnomejana ho andreo sy ny olo abiaby. 14Magniry anao areo, ary mivavaka ho anao areo. Magnano ijany areo noho ny fahalebiajan'ny fahasoavan'Andriamanitra ao aminao. 15Ho an'Andriamanitra anie ny saotre noho ny fagnomejane tsy hay jakaina!
Chapter 10

1Iaho, Paoly, Mengavy anareo ny tegnako, amin'ny fagnetren-tena sy hamoram-pagnahin'ny Kristy. Malemy fagnahy aho laha efa eo amin'ny fagnatrehanareo, nefa sahy ny aminareo aho laha efa tsy eo. 2Mangataka aminareo aho, tsy mila mahasahy amin'ny fahatokisan-tegna. Nefa aho mieritreritra fa mila sahy manohitra ireo ijay mihevitra fa antsena die miaigna araka ny nofo.3Fa na ijany aja, die mandeha araka ny nofo ahay, tsy miady araka ny nofo. 4Fa ny fediena ijay ediena die tsy ara-nofo. Noho ijany, managna hery avy lahatagny an-dagnitra ireo ba hamotehana ny fagnahy ratsy. Fa tsy mitondra na ino na ino ny hevi-pitaka andreo.5Hisimbaitsena mandy koa ireo raha ambone ijay manangagna fanoherana ny fahalalana an'Andriamanitra. Fa mihevitra ny hambabo ny tsirairay amin'ny fankasitrahana an'i Kristy antsena. 6Ary miomagna amin'ny fagnafejana ny fihetsika tsy fankasitrahana manontolo antsena, vantany vôha tanteraka ny fankasitrahanareo.7Jahay majava ijay eo alohanareo. Fa na ija na ija no resy lahatra fa ijy no kristy, ôka hampahatsiaro ny tegnany ijy fa ijy tokôtrany die Kristy, die hôtran'ijany koa antsena. 8Eny fa na die mirehareha kely aja aho mahakasika ny fahefantsena, ijay namen'ny Tompo antsena ba hanaganana ary tsy hanimba anareo, tsy ho megnatra aho.9Tsy tieko ijany ny hampagitakitaka anareo amin'ny alalan'ny taratasiko. 10Fa ny olo saragny nijaka hoe: ''Matotra sy mahery ny taratasiny, nefa malemy ara-batagna ijy. Tsy magneva hitenoina ny jakany.''11ôka ny olo hôtran'ireny hahalala fa ireo jaka ao amin'ny taratasinay tamin'ny fotôgna tsy nahateo anay die maharegny ny asa tokony ho amboarinay manontolo laha avy agny ahay.12 Tsy mandeha lavitra ahay na mampitaha ny tegnanay amin'ireo ijay midoka tegna. Fa laha magnametatra ny tegnany amin'ny hafa ijy ireo ary mampitaha ny tegnany amin'ny hafa, die tsy ho marigna.13Antsena, na ijany aja, tsy hirehareha mihôtra ny tokony ho ijy. Fa koja, amboarinay mandy ijany inay misy farany araka ny nanendren'Andriamanitra anay, fetra ijay mahakasika anareo. 14Fa tsy mitandrigna ny tegnanay ijahay laha efa avy tegny aminareo. Ahay no avy vôlohany hatratagny aminareo niaraka tamin'ny filajantsaran'i Kristy.15Tsy nirehareha mihôtran'ny fetra antsena ny momban'ny asan'ny sasagne. Nefa koja, antenainay fa hitombo ny finônareo amin'ny asa lehibe mandigny ny tsiraidraike, ary samy amin'ny fetrany aby. 16Fa ijao no antenainay, ba hahafahanay mitory ny filanjantsara na die agny amin'ny toerana lavitra anareo aja. Tsy hirehareha mahakasikan'ny asa efa vita tagny amin'ny faritra hafa antsiena.17Nefa ôka ny raika ijay mirehareha, hirehareha ao amin'ny Tompo.'' 18Fa tsy le raike ijay manolotre ny tegnany no ankatoavina. Nefa koja, ôka le raike ijay natolotry ny Tompo.
Chapter 11

1Magniry aho ba ahafahanareo mamela an'ahy nagnano fahadalana kely sasagne. Fa tena mamela an'ahy tokôtra anareo! 2Fa saro-piaro ny momba anareo aho. Managna fahasarotam-piaro araka an'Andriamanitra aminareo aho, hatramin'ny nagnomejako toky anareo tao amin'ny fanambadiena hôn'ny vady raika mandy. Nagnome toky aho ny hanolotra anareo hôtran'ny virijiny madio hôn'ny Kristy.3Fa matahotra aho saba, tahaka ny namitahan'ny a menaragna an'i Eva tamin'ny alalan'ny hafetsene, ny eritreritrareo die mety hiala amin'ny fanoloran-tegna amin-kitsim-po madio amin'ny Kristy. 4Fa eritrereto hoe misy olo raike avy hitory Jesôsy hafa hôtran'ilay raika torintsena. Na eritrereto hoe mandray Fagnahy hafa hôtran'ijay resinareo anareo. Na eritrereto hoe mandray filajantsara hafa hôtran'ilay raika ijay niresinareo anareo. Mamela ireny javatra tsara mandy anareo!5Satria mieritreritra aho fa tsy farany ambany hôtran'ireo lajaina fa hoe apôstôly ambone. 6Fa na die tsy nijarina handaha-teny aja aho, die nijarina tamin'ny fahalalana. Tamin'ny fomba rehetra sy tamin'ireo raha rehetra die natanay ho fantatrareo ijane.7Moa nanota ve aho tamin'ny fenêtre ne tegnako ba hisandratanareo? Fa nitory ny filajantsaran'Andriamanitra maimaimpôgna hônareo aho. 8Nandroba ireo fengonana hafa aho tamin'ny alalan'ny fagnekena fanohagnana avy amin-dreo ba ahafahako manompo anareo.9Laha efa niaraka taminareo aho sy nila fagnampena, die tsy magnavesatra na ija na ija. Fa ireo raha nilaiko die namen'ireo mpirahalahy ijay avy tagny Makedonia. Tamin'ny raha rehetra die nitandrigna ny tegnako tsy ho enta-mavesatra aminareo aho, ary hanohy hanao ijane.10Laha ato amin'ahe ny fahamarinan'i Kristy, die tsy hangigna ijany fireharehako ijany agny amin'ny faritr'i Akaia. 11Nahôna? Satria tsy tieko ve anareo? Andriamanitra mahalala.12Ary ny raha atako die bola h'atako fehijay, ba metiny ahafahako mangala ny fitaregnana hôtran'ny fagnakiagnana an'ahe sy ny fitaregnana hôtran'ireo tien-dreo hireharehana--fa areo die hita manao asa mitovy amin'ijay atanay. 13Fa ny olo tahaka ijany die apôstôly sandoka sy mpiasa mamitake. Areo die magnano sarisarin'ny tegnany tahaka ny apôstôlin'i Kristy.14Ary ijany die tsy mahagaga, fa ndre ny satana aja mampiseho ny tegnany hôtran'ny anjelin'ny fahajavana. 15Tsy mahagaga koa raha mampiseho ny tegnan-dreo hôtran'ny mpanompon'ny fahamarinana ireo mpanompone. Ny ajaran-dreo die ijay mendrika ny asan-dreo.16Lajaiko idraika hoe: "Aja avela hieritreritra hoe môla aho. Fa raha magnano ijany anareo, die reso hôtran'ny môla aho ka ba hirehareha kele. 17Ijay lajaiko momba an'itoy fahatokisana mirehareha itoy die tsy araka ny lajain'ny Tompo, fa mety hôtran'ny môla aho. 18Fa efa raha be ny olo no mirehareha araka ny nofo, die hirehareha mandy koa aho.19Nagneky am-pifalena ireo môlan'areo. Die hoe hendry ny tegnanareo! 20Fa mandefitra amin'ny olo anareo raha magnandevo anareo, mandany anareo, magnararaotra anareo, mandray ny tegnany ho ambony hôtran'areo, na raha mamely tefaka anareo ijy. 21Ho lajaiko amin'ny fahafaham-barakanay fa malemy lôtra ahay tamin'ny fanôvana ijane. Laha misy mirehareha-die mivoria hôtra ny môla aho-Aho mandy koa die mirehareha.22Hebreo ve areo? Aho mandy koa. Israelita ve areo? Aho mandy koa. Taranak'i Abrahama ve areo? Aho mandy koa. 23Mpanompon'i Kristy ve areo? (Mivoria hôtran'ny olo very saigna aho.) Mihôtra noho ijany aja aho. Bola niasa mafy mihôtra noho ijany aja aho, tagny am-ponja matetika, tamin'ny kapôka mihôtra ny fepetre, fetrehana loja maro mahafate.24Avy amin'ny alalagn'ireo Jiosy no nandresako " Kapôka efapolo latsaka raike" Indimy. 25Intelo aho no nifihina tamin'ny hajo. Indraika aho no nitilina vato. Intelo aho no vaky sambo. Nandany indraika aligna sy indraika andro tegny an-dranomasina aho. 26Nandeha matetika aho, tamin'ny lojan'ny ony, tamin'ny lojan'ireo mpandroba, tamin'ny lojan'ny oloko manokagna, tamin'ny lojan'ny Jentilisa, tamin'ny loja tagny amin'ny tanàna, tamin'ny loja tagny agn'efitre, tamin'ny loja tagny an-dranomasina, tami'ny loja avy alin'ireo rahalahy sandoka.27Efa tamin'ny asa mafy sy java-tsarotra aho, tamin'ny aligna tsy misy torimaso, tamin'ny mosary sy hetaheta, tamin'ny fifadin-kanina matetika, tamin'ny hatseka sy fitanjahana.28Ankôtra ny raha hafa, misy tsindry isan'andro amin'ahe nohon'ny fagnaheko amin'ny fengonana rehetra. 29Ija no malemy, ka tsy malemy aho? Ija no manafintohigna, ka tsy mirehitra aho?30Laha tsy mentsy mirehareha aho, die hirehareha momba ijay maneho ireo fahalemeko.31Ilay Andriamanitra sy Rain'i Tompo Jesôsy, ilay raika ijay deraina mandrakijay, die mahalala fa tsy mivandy aho!32Tagny Damaskosy, governora ambanin'i Areta mpanjaka die niambigna ny tanànan'i Damaskosy ba hanambotra an'ahe. 33Fa nampidignina tamin'ny tanty teo amin'ny hôka raika teo amin'ny manda aho, ka die nilefa ny tanànane.
Chapter 12

1Iaho die tsy mintsy mirehareha, fa tsy misy na ino na ino ajo laha tamin'ijany. Fa iaho die fanohy ny amin'ny fahitana sy ny fagnambarana laha tamin'ny Tompo.2 Mahafantatre lelahy ao amin'ny Kristy iaho ijay efatre amin'ny folo taogna lasa ijay na ao amin'ny tegna na ivelagnin'ny tegna, iaho tsy mahafantatre, Andriamanitre mahafantatre nalaina niakatra tagny amin'ny lagintre faha telo.3Die fantatro fa io lelahy io—na ao amin'ny tegna na ivelagn'ny tegna iaho tsy mahafantatre, Andriamanitre mahafantatre— 4die nalaina niakatre tao amin'ny paradisa die maharegny rahz ijay tena masina lôtre amin'olo ny hijaka anajy.5 Amin'ny agnaran'olo hôtran'ijany die hirehareha iaho. Fa amin'ny agnaran'ny tegnako die tsy hirehareha iaho, hafa —tsy ny momba ny fahalemeko.6Raha te hirehareha iaho, die tsy ho môla iaho, fa te hijaka ny marina. Famehy tegna amin'ny fireharehana iaho, mba tsy hisy na ija na ija hihevitre anahy ho ambony noho ijay hita aminahy na regny laha taminahy. 7Hamehy tegna amin'ny fireharehana mandy koa iaho noho ny karazana fagnambarana miavake io. Noho ijany, mba tsy ho feno fireharehana iaho, die nasena tsilo ny nifitrako, ny mpitondra hafate'i satana hqgnakorotagna anahy, mba tsy hirehareha lôtre iaho.8Intelo no nitalaho tamin'ny Tompo ny momba ijany, mba hangalana ijany aminahy. 9Fa hoy ijy taminahy hoe: ''Ampy ho anao ny fahasoavako, fa ny hery die natao ho lafatre ao amin'ny fahalemena.'' Aleoko mirehareha bebe kokoa ny amin'ny fahalemeko, mba hipetrahan'ny herin'i Kristy aro aminahy. 10Noho ijany finaritre ny noho i Kristy ao amin'ny fahalemena, amin'ny fagnevatevana, amin'ny korotagna, amin'ny fagnenjehana ary amin'ny fotôn-tsarotre iaho. Fa na amin'ny vena amin'ny vena malemy iaho, die matanjake.11Iaho die lasa môla! Anareo no mamôrise anahy amin'ijany, fa iaho die tokone noderanareo. Fa iaho die tsy ambany noho ny ijay angihina hoe Apostoly ambony ireo mihintsy, na die tsisidikany aja iaho.12 Ny famantarana ny marina ny maha Apostoly die nontanterahina teo amin-dreo tamin'ny faharetana tanterake, famantarana sy fahajindagnana ary asa mahery.13 Fa ahôna anareo no tsy die manam-batrake nohon'ny fiangonana sasane, ankôtan'ny tsy maha vesatre anahy ho anareo? Mamelà anahy noho ijany fahadisoana ijany!14Indro! vognona ho tonga fagnitelone agny amireo iaho. Tsy ho vesatre ho anareo iaho, fa iaho die tsy mila ijay anareo. Anareo no ilaiko. Fa tsy ny janake no tokone hihary ho an'ny ray aman-dreny. Fa koja ny ray aman-dreny no tokony hihary ho an'ny janake. 15Iaho die ho faly tanterake handany sy ho laniana ho an'ny fagnahinareo. Raha mitia be anareo iaho, die hotiavina kely ve iaho?16Fa na die hôtran'ijany ajy tsy nagnavesatre anareo iaho. Fa satria iaho fetsifetsy be, die iaho ny raike jay nahazo anareo tamin'ny hafetsena.17 Moa ve nagnararaotre anareo tamin'ny alalan'ny olo ijay nalefako taminareo iaho? 18Nagnirake malaky an'i Titosy ho agny aminareo iaho, die nalefako niarake taminajy ny rahalahy sasane.Moa ve nagnararaotre anareo i Titosy? Moa ve tsy raike lalagna antsena? Moa ve tsy niray dia antsena?19Moa ve mieritreritre anareo fa mandritre ijany fotôgna abiaby ijany die niaro ny tegnanay taminareo ahay? Eo agnatrehan'Andriamanitre, no ijakanay tao amin'ny ny raha abiaby mba ho fampaherezana anareo20Fa mangoaigna iaho saodi rehefa tonga iaho die mety tsy hahita nareo araka ny fanantenako. Mangoaigna iaho saodie tsy ho hitanareo araka ny fagnantenanareo. Mangoaigna aiho soa die mety hisy fifamalena, fialognana, firehatan'ny havignirana, fikasana amin'ny fitiavan-tena, fifosana, fieboheboana, ary fikorontanana. 21Mangoaigna iaho saodie rehefa miverigna, die hagnambany anahy eo anatrehanareo ny Andriamanitrako. Mangoaigna iaho saodie mety halahelo ny amin'ny rahabe ijay nanota teo aloha, ka mbola tsy nibebake tamin'ny fahalotoana sy ny fijangajangana die ny fijejojejoana feno fagnirian-dratsy ijay nataon-dreo.
Chapter 13

1Fagnintelone iajo ny nandalovako atiky aminareo. "Ny fempangana abiaby die tsy mentsy mienga amin'ny porofo amin'ny vavolombelogna roe na telo." 2Efa nijaka tamin'ireo ijao nagnota ao talohake sy tamin'ireo sisa abiaby laha teo fagnindroane, ary vorianiko indraike ijane: "Laha avy indraike iaho, die tsy halahelo an-dreo iaho."3Mijaka anareo ijane iaho satria anareo die mandremby porofo fa i Kristy die mijaka amin'ny alalako. Tsy malemy aminareo Ijy. Fa koja, mahere ao aminareo Ijy. 4Fa Ijy nifantsihana amin'ny falemena, nefa velogna tamin'ny herin'Andriamanitra. Fa antsena koja die malemy amin'Ajy ao, kanefa antsena die miara-miaigna amin'ny herin'Andriamanitra eo agnivonareo.5Diniho ny tegnanareo laha tianareo ho hita fa ao amin'ny finôna anareo. Tsapay ny tegnanareo, mbola ajonareo an-saigna ve ijane momba ny amin'ny tegnanareo fa i Jesôsy Kristy die ao aminareo? Laha ohatra anareo ka tsy nahavoa tamin'ny fitsapana.6 Ary iaho matoky fa anareo die hagneky fa antsena die nahavoa amin'ijane fitsapana ijane.7Ankehitriny antsena die mivavake amin'Andriamanitra fa tsy afake ny hagnano raha ratsy anareo. Iaho die mivavake ny afake ahitana fa antsena die nahavoa amin'ny fitsapana. Fa koja, Iaho die nivavake ny mba hahafahanareo magnano ijay mete kanefa antsena die mety ho hita ho hôtran'ny tsy nahavoa tamin'ny fitsapana. 8Fa antsena die tsy afake ny hagnano raha mifanohitra amin'ny fahamarignana, fa hôn'ny fahamarignana irerike mandy.9Fa antsena die mifaly laha marefo ary mafy anareo. Fa antsena mandy koa die mivavake mba ho ataontsena feno anareo. 10Manoratra ireto raha ireto iaho laha magnalavitre anareo iaho, ka laha miaraka aminareo iaho die tsy vôtery mitondra anareo an-kavignirana amin'ny fampesana ny fahefako-ijay nomen'ny Tompo an'Ahe, mba hanagnako anareo, ary tsy hanimba anareo.11Farane, ry rahalahy, mifalia! mesà hômin'ny fameregnana amin'ny tokony ho ijy, mahereja, mifagnike ny kiraidraike, miegna am-pedagnana, ary ny Andriamanitry ny fitiavana sy ny fedagnana die hiarake aminareo. 12Mifampiarabà anareo amin'ny fagnorohana Masina.13Ireo mpino abiaby die magnano veloma anareo. [Fagnamarihana: Ireo dikan-teny saragne die manambatre ny andinine faha 13 amin'ny andinine faha 12 ary magnano ny andinine faha14 ho andinine faha 13.] 14Enga anie ny fahasoavan'i Jesôsy Kristy Tompo, ny fitiavan'Andriamanitra sy ny ferahana amin'ny Fanahy Masina ho ao aminareo abiaby.

Galatians

Chapter 1

1Pôly, apôsitôly_ tsy apôsitôly avy amin'ny olo na tamin,ny alalan'ny olo, fa avy amin'ny Jesôsy Kristy sy ilay Andremanitre Ray, ijay nanangagna anaje tamin'ny mate _ 2die ireo rahalahy rehetra miaraka aminahe, ho an'ireo fengonana Galatiana:3Fahasoavana ho aminareo ary fendanana avy amin'Andremanitre Raintsena sy Jesôsy Kristy Tompo,4 ijay nanolotre ny tegnany ho an'ny fahotantsena ba hagnafahane antsena amin'ny jao andron'ny faharatsena ijao, araka ny sitram-pon'ny Andremanitsena sy Raintsena,5 hônaje anie ny voninahitre mandrakijay doria. Amena6Gaga aho hoe niala malaky tanin'ilay nangaike anareo tamin'ny fahasoavan'ny Kristy anareo. Gaga aho fa mitodika ho amin'ny filajan-tsara hafa anareo.7 Tsy midika ijany fa misy filajan-tsara hafa, fa misy olo rahabe ijay mitondra fagnakorotagnana ho anareo ka die te hagnova ny filajan-tsaran'ny Kristy.8Fa na die ahay anjely avy agny andagnitra aja no hitory filajan-tsara hafa aminareo noho ijay nitorene taminareo, die ôka ijy ho vôojogna.9 Araka ijay vôlajanay taloha, die ankehitriny aho magnambara indraike hoe: "Laha misy olo magnambara aminareo filajan-tsara hafa noho ijay niresinareo, die ôka ijy ho vôojogna. 10"Moa ve aho ankehitriny mandrembe ny fankatoavan'ny olo sa Andremanitre? Mo ve aho mandrembe ijay hampifaly ny olo? Laha bola manohe miejaka ny hampifaly ny olo iaho, die tsy mpanompon'ny Kristy.11Fa tieko ho fantatrareo, ry rahalahiko, fa ny filajan-tsara ijay nijakaiko die tsy filanjaran-tsaran'olombelogna. 12Tsy nandray anijany tamin'olo iaho,na nampenarina anahy ijany. Fa koja, ijany die fagnambaran'ny Jesôsy Kristy taminahe.13Fa anareo naharegne ny fiegnako taloha tamin'ny fomba fivavahana Jiosy, sy ny fomba nagnenjehako ny fengonan'Andremanitre mihôtre ny tokony ho ijy ary ny fejahako handrava anijane. 14Nandroso tamin'ny fivavahan'ny Jiosy aho nihôtran'ny maro nitovy taogna taminahe, avy tamin'ireo raike firenena taminahe. Toy ijane ny fomba nitajomako maharè ireo fomban-drajako.15Kanefa Andremanitre, ijay nanokagna anahe hatragny ankibon'ny iemdriko, ary nangaike anahe tamin'ny alalan'ny fahasoavany, 16laha faly ny hampiseho ny janagne lahy taminahe, ba hahafahako milaja Aminaje agne amin'ny Jentilisa, die tsy nangala saigna tamin'ny mofo sy ra avy hatagne aho. 17Tsy niakatre tagny Jerosalema ho agny amin'ireo efa nanjary Apostoly taloha aho. Fa koja, nandeha tagny Arabia ary aviteo nimpody tagny Damaskosy iaho.18Ary telo taogna tatoy afara die niakatra tagny Jerosalema ba hifakalala tamin'ny Kefasy iaho die nijanogna niaraka taminajy nandritra ny dimembifolo andro.19 Fa tsisy hitako ireo Apôstoly ankôtran'i Jakôba, ilay rahalahin'ny Tompo. 20Ary ao amin'ny jay soratako ho anareo, die magnome toky anareo aho eo anatrehan'Andremanitre, fa tsy mivandy aho.21Aviteo aho die nenga tagny amin'ny faritr'i Siria sy Kilikia. 22Tsy bola fantatra teo amin'ireo fengonan'i Jodia ijay ao amin'i Kristy iaho. 23 Regnindreo fotsiny ijay vôlaja hoe: "Ilay lelahy ijay nagnenjika antsena taloha, amijao koja die magnambara ilay finôna ijay niejahiny nipotehina taloha.24 "Noho ijany ijy ireo die nidera an'Andremanitre noho ny aminahe.
Chapter 2

1Efatre ambin-folo taogna tatoy afara dia niakatre tagny Jerosalema indray iaho niarake tami'ny Barnabasy, die nitondra an' an' Titosy niarake taminahe.2 Niakatre tagny nohon'ny fagnambarana ray iaho ary nametrake teo amin'ijy ireo ny filajantsara ijay toriko eo aman'nareo Jentilisa. Nivoria mangingigna tamin'dreo ijay niheverina ho manan-batrake aho, mba hahajahôna antoke fa tsy nihajakajaka_ na efa nihajakajaka _ very maigna aho.3Fa na Titosy aja, jay niarake taminahy no sady Grika, die nifôrisena ho vôfora. 4Niditra mangingigna reo ralahy sandoke mba hitsikilo ny fahafahana hagnananay ao amin' Kristy Jesôsy. Nagniry ny hagnandevo anay ijy reo, 5fa nalaignan'ny hagneke ajy reo na die fotôgna kely aja ahay, mba hipetrahan'ny fahamarinan'ny filajantsara aminareo.6Fa areo jay niheverina ho manam-batrake (na ino na ino ijy reo die tsy hampagnino ahy, Andriamanitra die tsy miangatre) _ jakaiko, ireo, ijay heverina ho manam-batrake die tsy nagnampe ndre ino nino tamiko.7 Mifanohitre amin'ijany, hitan-dreo fa nagnakinana ny filajantsara ho an'reo ijay tsy vôfora aho, hotran'ny nagnakinana an'i Petera ny filajantsara ho an'reo ijay vôfora.8 Fa Andriamanitra, ijay niasa tao amin'i Petera ho amin'ny maha-apostoly ho an'reo ijay vôfora, die niasa tato aminahy ihany koa ha an'reo Jentilisa.9I Jakoba, Kefasy, ary Jaona, ijay fantatre fa anisan'ireo nagnorigna ny fianangonana, rehefa nahafantatre ny fahasoavana ijay nomena anahy, die nagnome ny tanagna ankavaan'ny fiombognana ho anahy sy Barabasy ijy reo. Nataon-dreo ijany mba hahafahanay mandehagny amin'ny Jentilisa, ary mba hafahan-dreo mandeha amin'reo vôfora.10 Nangatake mandy ijy reo mba hatsiaro ny misotry ijahay, ijay raha tena tiako atao tokotre.11Fa laha tonga tagny Antioka i Kefasy, die nanohitra ajy teo amin'ny tarehine aho satria voajaka fa diso ijy.12 Tafaran'ny nieven'ireo lelahy saragne avy agny amin'i Jakoba, die teo am-pihinana niarake tamin'ireo Jentilisa i Kefasy. Fa laha tonga reo lelahy reo, die nijanogna ijy ary nenga lavitre an'reo Jentilisa. Nangoaigna ireo ijay nitaky famorana ajy.13Ny ambine tamin'reo Jiosy die niraike tamin'ijany fiatsaram-belatsihy ijany. Na i Barnabasy aja die vôvily lalagna niarake tamin-dreo tamin'ny fitsaram-belatsih'ijy ireo.14 Fa laha hitako fa tsy magnarake ny fahamarinan'ny filajantsara ny fitondran-tegnan-dreo, die nijaka tamin'i Kefasy teo anatrehan'ijy aby hoe: '' Laha Jiosy anao kanefa miaigna hotran'ny Jentilisa fa tsy hotran'ny Jiosy, ahôna no afahanao mamorise ireo Jentilisa hiaigna hotran'ny Jiosy?''15Atsena die Jiosy tamin'ny alalan'ny fahaterahana fa tsy mpanota Jentilisa;16 fantatsena nefa fa tsy misy olo hamarin'ny asan'ny lalàna fa amin'ny alalan'ny finôna an'i Kristy Jesôsy. Atsena mandy koa die tonga tamin'ny finôna an'i Jesôsy Kristy mba hamarignina amin'ny finôna an'i Kristy fa tsy amin'ny asan'ny lalàna. Fa tsy hisy nofotre hamarignina amin'ny asan'ny lalàna.17Fa laha hotra ka, mandrembe ho hamarignina ao amin'ny Kristy atsena, atsena mandy koa, die hita fa mpanota, moa mampirisike ny fahotana ary ve i Kristy? Tsiare sahady! 18Fa laha manangana indraike ireo raha efa noravaiko taloha iaho, die magnaporofo ny tegnako ho mpandika lalàna iaho.19 Fa tamin'ny lalàna no nahafatesako amin'ny lalàna, mba ho velogna ho an'Andriamanitra iaho.20Nohomboana niarake tamin'i Kristy iaho. Tsy ijaho koa no velogna, fa i Kristy no velogna ato agnatiko. Ny fiaignana iaignako ao amin'ny nofotre ankehitriny dia ny aiignako amin'ny finôna ny janak'Andriamanitra, ijay tia anahy ka nanolotre ny tegnany ho anahy.21 Tsy magnilike ny fahasoavan'Andriamanitra iaho, fa laha ajo amin'ny lalàna ny fahamarinana, die tsy misy dikany ny nahafatesan'i Kristy!
Chapter 3

1Ry Galatiana môla! Ija no nagnosavy anareo? Teo imasonareo mihitsy no nagnasehoana an'i Jesôsy Kristy vôfantsike.2 Ijao mandy no raha tiako enarana aminareo: Nandray ny Fagnahy tamin'ny asan'ny lalàna sa tamin'ny finôna ijay regninareo anareo? 3Môla tokôtre ve anareo? Netomboka tamin'ny Fagnahy anareo, die hefara amin'ny nofo ve amin'ijao fotôgna ijao?4Moa nahadigny raha be tamin'ny tsy misy dikany ve anareo_fa laha tena raha tsy manambatrake tokôtre ary ijany? 5Sa ve ijy ijay nagnome ny Fagnahy anareo sy mambôtre asa mahajendagna eo aminareo die mambôtra ijany amin'ny asan'ny lalàna, sa amin'ny fitenoana amin'ny finôna?6Hôtran'i Abrahama "nino an'Adriamanitra ary nisaina ho fahamarignane ijany," 7die hôtran'ijany, tadidio, fa ireo ijay amin'ny finôna die janak'i Abrahama. 8Ny Soratra Masina, nahatsinjo meloha fa Andriamanitra hagnamarigna ireo Jentilisa amin'ny finôna, die nagnambara ny filajantsara meloha tamin'ny Abrahama, nijaka hoe: "Avy aminao no hagnampena ny firenena abiaby." 9Ka, ireo ijay amin'ny finôna die vôtahy miaraka amin'i Abrahama, ilay olon'ny finôna.10Ireo ijay miankigna amin'ny asan'ny lalàna die eo ambanin'ny hojogna; fa vôsoratra hoe: "Vôhojogna ijay abiaby tsy magneke ny raha abiaby vôsoratra ao agnatin'ny bokin'ny lalàna, sy magnano iregny." 11Amin'ijao fotôgna die majava fa tsy misy olo hamarignina eo an-katrehan'Andriamanitra amin'ny alalan'ny lalàna, satria ny mahitsy die hiaigna amin'ny finôna. 12Fa ny lalàna die tsy araka ny finôna, fa koja, "Ny olo ijay magnano ny asan'ny lalàna die tsy mentsy miaigna amin'ireo".13Kristy namonjy antsena tamin'ny hojognan'ny lalàna tamin'ny nahatongavany ho hojogna ho antsena___fa vôsoratra hoe: "Vôhojogna ijay abiaby mihantogna amin'ny hajo"_ 14mba ho avy amin'ny Jentilisa ny fagnampen'i Abrahama ao amin'ny Kristy Jesôsy, mba hômin'ny finôna no ajahoantsena ilay fampagnantenan'ny fagnahy.15Ry rahalahy abilay iaho hijaka hôtran'ny fataon'olo. Ao amin'ny fifagnarahana amboarin'olo, tsy misy afaka magnampy na magnafôgna ijay ao, laha tafapetrakan'ny lalàna ijany. 16Ary ireo fampagnantenana die nijakaina tamin'i Abrahama sy tamin'ireo janagne.Tsy mijaka ijany hoe: "hôn'ny janaka," manondro olo betsake, fa koja olo raika mandy, "hôn'ny janakao," die i Kristy.17Die ijao no tiako ho jakaina: "Ny lalàna, ijay tonga telo-polo sy efa-jato taogna tatiky afara, die tsy hahafôgna ny fifagnikena ijay efa nabelan'Andriamanitra meloha. 18Fa laha avy amin'ny lalàna ny lova, die tsy avy amin'ny fampagnantenana koa ijany. Fa Andriamanitra nagnome ijany an'i Abrahama tamin'ny alalan'ny fampagnantenana.19Ino, ary, ny tanjognan'ny lalàna? Napetraka ijany nohon'ireo fadikan-dalàna, mandra-pahatongan'ny taranak'i Abrahama eo amin'ijay nanôvana ny fampagnantenana. Ny lalàna die nataon'ny mpagnelagnelagna raike ho mana-kery tamin'ny alalan'ny anjely.20 Fa ny mpagnelagnelagna die midika olo mihôtra ny raike , nefa Andriamanitra die raike.21Moa ve ny lalàna manohitra ireo fampagnantenan'Andriamanitra? Sagnatria ijany! Fa laha nisy lalàna namena ijay afaka magnome fiaignana, die avy tamin'ny lalàna marina ny fahamarignana. 22Fa ny Soratra Masina nagnagadra ny raha-abiaby ambanin'ny fahotana. Nagnano ijany Andriamanitra mba hagnomejana hôn'ireo mino ny fampagnantenana ny hagnavotana antsena amin'ny alalan'ny finôna an'i Jesôsy Kristy.23Ary talohan'ny nevian'ny finôna, antsena die nitanana ho babo tao ambanin'ny lalàna, nigadraina mandram-pibôkan'ny finôna. 24Koa avy eo ny lalàna die nanjary mpiambigna antsena mandram-pevian'i Kristy, mba ho vômarina amin'ny finôna antsena. 25Fa ijao die avy ijany finôna ijany, ka tsy eo ambanin'ny mpiambigna koa antsena. 26Fa anareo abiaby die janak'Andriamanitra ao amin'ny finôna an'i Kristy Jesôsy.27Fa betsaka aminareo ijay natao batisa tao amin'i Kristy, no nandray an'i Kristy.28 Ary tsy misy koa na Jiosy na Grika, na andevo na olon'afake, na lelahy na viavy, fa raika mandy anareo ao amin'i Kristy. 29Koa laha an'i Kristy anareo, die janak'i Abrahama, sady mpandova araka ny fampagnantenana anareo.
Chapter 4

1Milaja iaho fa ny mpandova, laha mbola jaja ijy, die tsy hafa amin'ny andevo, na die tompon'ny raha abiaby aja. 2Kanefa ijy die eo ambany fifehejan' ireo mpiambigna sy ireo mpitahiry raha sarobidy mandra-pahavin'ny daty ijay napetraky ny abane.3Ka hôtran'ijany mandy koa, tamin'ny antsena mbola jaja, dia nandevojin'ireo lalàna fitsipi-pianararan'ijao tontolo ijao. 4Fa laha avy ny fahafenoan'ny fotôgna, die nandefa ny Janany Andriamanitra, ijay natera-biave, naterake tao ambanin'ny lalàna. 5Nagnano ijany Ijy mba hagnavotana ireo ijay ambanin'ny lalàna, mba hahafahantsena mandray ny fananganana ho janake.6Ary satria janaka anareo, dia nirahin'Andriamanitra ho ao am-pontsena ny Fanahin'ny Janany, ijay mangaike, hoe: " Aba, Ray." 7Noho ijany tsy andevo koa anao, fa janaka, ary laha janake, dia mpandova amin'ny alalan'Andriamanitra mandy koa anao.8Fa tamin'ijany fôtogna ijany, tamin'ny anareo mbola tsy nafantatre an'Andriamanitra, dia natao ho andevon'ireo ijay, amin'ny hery vôjagnahary, die tsy Andriamanitra velivele. 9Fa amin'ijao anareo die lasa nahafantatre an'Andriamanitra, na koa hoe fantatr'Andriamanitra anareo, ka ahôna no hiveregnanareo amin'ny abidim-pianarana maleme no sady tsy misy dikane? Te ho andevojina indraika ve anareo?10Mandinike ireo andro sy ireo volagna ary ireo vanim-potôgna sy ireo taogna anareo! 11Mangoaigna ny aminareo aho fa sao die ho java-pôgna ny asako teo aminareo.12Mengavy anareo aho, ry rahalahy, manôva hôtran'ahe, satria iaho mandy koa die efa lasa hôtran'areo, tsy nagnano ratsy tamin'ahy anareo. 13Kanefa fantatrareo fa noho ny aretim-batako no nagnambarako anareo ny filajantsara tamin'ny vôlohane. 14Na die nitondra anareo tamin'ny fakam-pagnahy aja ny toe-batako, die tsy nagnano tsinontsinona na nagnilika an'ahy anareo. Fa noresinareo hôtrin'ny hoe anjelin'Andriamanitra koja aho, hôtrin'ny hoe iaho mihitsy no Kristy Jesôsy.15Aja, noho ijane, ny fahasoavanareo ankehitriny? Fa mijoro vavolombelogna aminareo aho fa, laha ajonareo atao, die nalainareo ny masonareo ary nomenareo an'ahe ijane. 16Ka noho ijane, efa lasa fahavalonareo ve iaho satria mijaka aminareo ny marina?17Ijy ireo dia majoto ny hitaogna anareo, fa tsy amin'ny tsara.Te hagnidy anareo agny ivelagne areo, mba hanagnanareo jotom-po ho an-dreo. 18Tsara fehijay ny managna jotom-po amin'ny tanjogna tsara, ary tsy laha miarake aminareo mandy aho.19Ry janako, mbola mijaly amin'ny fanaitaignan'ny fiterahana ho anareo mandy aho mandra-piforon'i Kristy ao aminareo. 20Magniry aho mba ho afaka miaraka aminareo ankehitriny ary hagnova ny feoko, satria sahiran-tsaigna noho aminareo aho.21Jakay amin'ahy, anareo ijay magniry ny ho eo ambanin'ny lalàna, moa tsy miteno ny lalàna ve anareo? 22Satria vôsoratra fa i Abrahama dia nanan-janaka roalahe, ny raike avy amin'ny andevo vavy ary ny raike avy amin'ny viave afake. 23Fa ny raike dia nateraky ny andevo vave araky ny nofo, fa ilay raike hafa dia nateraky ny viave tamin'ny teny fampagnantenana.24Ireo raha ireo die ajo resina hôtrin'ny fagnoharana, satria ireo viave ireo die magnambara fagnekena roa. Ny raike amin-dreo die avy amin'ny tendrombohitr'i Sinay ary niterake jaja ijay andevo ijy. Ijy io die i Hagara. 25Ary Hagara die magnambara ny tendrombohitr'i Sinay any Arabia; ary magnambara an'i Jerosalema amin'ijao fotôgna ijao, satria nandevojina niaraka tamin'ireo Janagne ijy.26Fa i Jerosalema ijay agny ambony die afake, ary ijy no endrintsena. 27Satria vôsoratra hoe: "Mifalia, anao ry momba ijay tsy miterake. Mangengeha mahare ary manôva hiake fifalena, anao ijay tsy mijale amin'ny fanaintaignan'ny fiterahana. Satria ireo janaky ny viave ijay nafoy die rahabe noho ny an'ireo viavy manambady.''28Fa anareo, ry rahalahy, hôtran'i Isaka, die janaky ny fampagnatenana. 29Tamin'ijany fotôgna ijany ny olo ijay teraka araka ny nofo die nagnenjika ijay teraka araka ny Fagnahy. Hôtran'ijany mandy koa ankehitriny.30Kanefa ino no jakain'ny soratra masina? Alefaso agny ny andevo vavy sy ny janany lahy. Fa ny janaka lahin'ny andevo vave die tsy hijara lova miaraka amin'ny janaka lahin'ny viavy afake. 31''Noho ijany, ry rahalahy tsy janaky ny andevo vave antsena, fa janaky ny viave afake.

Chapter 5

1Ho amin'ny fahafahana no nagnafahan'i Kristy antsena. Marena tsara, noho ijany, aja mety ho ao ambanin'ny jogan'ny fagnandevojana indray.2 Indro, aho, Pôly, mijaka aminareo fa laha mamela ny tegnanareo ho foraina anareo, die tsy hahatsara anareo amin'ny fomba abiaby Kristy.3Mijoro vavolombelogna amin'olo tsirairay ijay mamela ny tegnany ho vôfora indray iaho fa vôtery hagnaraka ny lalàna abiaby ijy. 4Tafasarake tamin'i Kristy anareo, ijay te ho hamarinina amin'ny lalàna; ary tsy miaigna amina fahasoavana koa anareo.5Fa ami'ny alalan'ny fagnahy, amin'ny finôna, no handiasantsena mafy ny fagnantenana ny fahamarinana.6 Ao amin'ny Kristy Jesôsy die tsy midika n'ino n'ino na vôfora na tsy vôfora, fa ny finôna miasa amin'ny fitiavana ihiany.7 Fa nihajakajake tsara anareo. Ija no nisakagna anareo amin'ny fankatoavana ny marina? 8Ijany fandresan-dahatra ijany die tsy avy amin'ilay nangaike anareo.9Lalivay kely no mampitombo ny koba abiaby. 10Fa matoky ny Tompo aho fa tsy handrae fomba fijery hafa anareo. Fa ny raike je-nampikorontagna anareo no magnefa ny sajy, na ija ijy na ija.11Ry rahalahy, laha bola mitory ny amin'ny famorana aho, nagnino aho no bola enjehina? Amijany die hoafake tokôtre ny fahatafitohignan'ny hajo fijalena. 12Fa ho an'ireo ijay magnakorontagna anareo, enga anie ka hanapaka ny tegnany ijy ireo!13Fa nangihina ho amin'ny fahafahana anareo, ry rahalahy. Nefa aja ampesaina ho irake amin'ny filan'ny nofo ny fahafahanareo; fa koja, amin'ny alalan'ny fitiavana die mifanompoa. 14Fa ny lalàna aby die tanterake ao amin'ny didy raike; ao amin'ny hoe: "Tsy mentsy mitia ny akamanao hôtran'ny tegnanao anao." 15Fa laha mifagnekitra sy mifampihinagna anareo, die mitandrema sao hifandringagna.16Fa hoy iaho, mandihanaaraka ny fagnahy die tsy hahatanterake ijay filan'ny nofo anareo. 17Fa mohitre ny fagnahy ny filan'ny nofo, ary manohitra ny filan'ny nofo ny fagnirian'ny fagnahy. Fa mifanohitra ireo, ba tsy ahafahanareo magnano je-raha tienareo.18 Fa laha tarihin'ny fagnahy anareo die tsy ho amban'ny lalàna.19Ankehitriny die miharihary ny asan'ny filan'ny nofo: fijangajangana, fahalotôna, fijejojejoana,20 fanompoasampy, famosavena, fankahalana, fifandirana, fahasarontam-piaro, fipôhan'ny fahavignirana, fifandrafena, fisarahan-bajagna, fijarajarana, 21felognana, fahamamôna, fagnakorotagnana, ary ny raha mitovy amin'ny jay . Mampitandrigna anareo aho, hôtran'ny efa nampitandremako anareo taloha, fa tsy handova fanjakan'Andremanitra ireo jay mampihantre ireo raha ireo.22Fa ny vokatry ny fagnahy die fitiavana, fifalena, fedagnana, faharetana, hatsaram-pahy, fanôvanatsara, finôna, 23fahalemem-pagnahy, ary fifehejan-tegna; tsy misy lalàna manohitra raha hôtran'ny jay.24 Ireo jay an'i Kristy Jesôsy die efa nanombo nitoetra feno fahotany niaraka tamin'ny fahafinaretany sy ny filany.25Laha miaigna amin'ny fanahy antsena, ôka handeha amin'ny fanahy hiany koa.26 Ôka antsena tsy ho mpieboebo, mifandrangitre ary mifampialogna.
Chapter 6

1Ry rahalahy, laha misy olo ajon'ny ota, anareo jay aram-pagnahy no tokone hamerigna hamerigna anajy indraike amin'ny fahamoram-pagnahy. Mihevera ny tegnanao, Ba tsy halaim-pagnahy koa anao. 2Mifampitondrà ny avesatre, ary amijany die tantiraho ny lalàn'ny Kristy.3Fa laha misy olo mihevitra ny tagnany ho raha kanefa tsinotsinona, die mamitaka ny tagnany ijy. 4Tokony handinike ny asany aby ny tsiraidraike, ba hôn'ny tegnany mandy ny antony hireharehany fa tsy amin'olo-kafa. 5Fa samy hitondra ny entagny aby ny olo tsiraidraike.6Ny olo jay nampenarina ny teny die tsy mentsy mijara ny raha tsara manotolo amin'ijay mampianatra. 7Aja mety ho fitahina. tsy ajo vazivazina Andremanitra, fa ijay rehetra ambolen'olo, no hijinjaine koa. Ho an,ijay mamboly voa amin'ny toetrany feno fahotana, die avy amijay no hijinjany fahasimbana.8 Jay mamboly voa amin'ny Fagnahy, amin'ny Fagnahy no hijinjany fiegnana mandrakijay.9Ôka antsena ba tsy ho vijake amin'ny fanôvana soa, fa hijinja ny vokatra antsena amin'ny fotôgna mety, laha tsy milavo lefogna antsena.10 Koa noho ijany, satria managna fahafahana antsena, die ôka hagnano ny tsara amin'olo manotolo, indrindra fa amin'ny fianakavian'ny finôna.11Jereo ny hangejan'ny soratra ijay nisoratan'ny tagnako hônareo. 12Ireo jay te hiseho ho tsara ao amin'ny nofo no miejaka manery anareo ba ho foraina. Mambôtra an'ijany areo helana amin'ny fagnenjehana noho ny amin'ny hajo fijalen'i Kristy.13 Na ireo ijay tsy vôfora aja die tsy mendrika ny lalàna, nefa tiendreo ho foaraina anareo ba hireharehandreo amin'ny fo nareo.14Nefa tsy hirehareha na ovena na ovena afa tsy ny amin'ny hajofijalen'i Jesôsy Kristy Tompotsena anie iaho, ijay nanomboana an'ijao totolo ijao teo aminahe, ary aho koja teo amin'ijao totolo ijao.15 Fa ny famorognana ny tsy famorognana die samy tsy misy dikane, fa ny fiegnam-baovao no misy dikany.16 Ho an'ny ireo rehetra ijay miaigna araka ijany fomba ijany, die hôminijireo anie ny fedagnana sy ny famindram-po, na amin'ny Israelin'Andremanitra aja.17Manomboka jao die ôka tsy hisy hagnadala anahy, fa mitondra ireo marik'i Jesôsy amin'ny vatako iaho.18 Ho amin'ny fagnahinareo anie ny fahasoavan'i Jesôsy Kristy Tompotsena, ry rahalahy. Amena.

Ephesians

Chapter 1

1Paoly, apostolin'i Kristy Jesôsy araka ny sitran'Andriamanitra, ho an'ny olo-masin'Andriamanitra agny Efesosy, ijay mahatoky ao amin'i Kristy Jesôsy.2 [Fagnamarihana: Misy fandikana saragny mangaly ny hoe: "Ao Efesosy" saingy mety ao amin'ny taratasin'i Paoly tamin'ny vôlohany ijany. ] Hôminareo ny fahasoavana sy ny fedanana avy amin'Andriamanitra Raintsena sy Jesôsy Kristy Tompo.3Deraina anie ny Andriamanitra sy Rain'i Jesôsy Ksisty Tompontsena, ijay nitahy antsena tao amin'i Kristy tamin'ny fitahim-pagnahy rehetre avy agny an-danignitre ao amin'ny Kristy. 4Andriamanitra nifidy antsena tao aminaje hatramin'ny fiantombohan'ijao tontolo ijao, mba ho masina sy tsy manan-tsigny eo anatrehany antsena.5Andriamanitra die nisafidy antsena meloha ho amin'ny fananganana ho janaka tamin'ny alalan'i Jesôsy Kristy, araka ny sitrapone.6 Ny fananganana antsena die mitondra amin'ny fiderana ny fahasoany be voninahitra ijay nomeny antsena maimaimpôgna tao amin'ny Raike ijay tiene.7Ao amin'ny Jesôsy Kristy die mahajo fagnavotana amin'ny tany sy ny famelan-keloke antsena, araka ny harem-pahasoavana.8 Narotsagne tamintsena tamin'ny fahendrena sy fahalalana reverra ijany fahasoavana ijany.9Nataon'Andriamanitra fantatra tamintsena ny java-misitrikin'ny sitrapone, araka ijay tiene, sy ijay nasehone tao amin'i Kristy, 10niaraka tamin'ny fandaharana raike amin'ny fahafenôn'ny fotôgna, hanangonana ny javatra rehetre, atoy an-tany sy agny an-dagnitre, ho loha raike, na Kristy aja.11Ao amin'i Kristy die vôtendry ho mpandova antsena. Nofidiena meloha araka ny fandaharan'ny mampiasa ny raha manontolo araka ny tanjon'ny sitrapone antsena.12 Andriamanitra nanendre antsena ho mpandova mba ho antsena no managna fatokisana vôlohane ao amin'i Kristy, mba ho fiderana ny voninahine antsena.13Tao amin'ny Kristy, anareo koa, laha efa naharegny ny tenin'ny fahamarinana, die ny filajantsaran'ny famonjena anareo, die nino Anajt anareo ary vôtomboke tamin'ny Fagnahy Masina nampananantenana,14 ijay antoka ho an'ny lovantsena mandra-pahajahoantsena tanteraka ijany, ho fuderana ny voninahine.15Noho ijany antony ijany, hatramin'ny nahenôko ny finônareo ny Tompo Jesôsy ary ny fitiavanareo ny olo-masigna rehetre, 16die tsy nijanogna ny nisaotre an'Andriamanitra iaho noho ny aminareo ary tsarôko am-bavaka anareo.17Mivavaka aho mba ny Andriamanitr'i Jesosy Kristy Tompontsena, ny Rain'ny voninahitre, hagnome anareo ny fagnahin'ny fahendrena sy fagnambarana amin'ny fahalalana Anaje.18 Mivavaka iaho mba hagnajavana ny mason' ny fonareo, mba hahafantaranareo ny ijay nagnatsovane anareo sy ny haren'ny voninahitry ny lovane eo amin'ny olo-masin'Andriamanitra rehetre.19Ao amin'ny fivavako die mangataka iaho mba hahafantaranareo ny fihoaran'ny halehiben'ny herine ao amintsena ijay mino, araka ny fiasan'ny heriny lehibe.20 Ijany hery ijany ihany no nampesan'Andriamanitra tao amin'i Kristy laha efa natsangane tamin'ny maty Ijy ary napetrane teo an-tagnane ankavanana tagny an-dagnitra.21 Kristy die napetrane hômbonin'ny lalàna sy ny fahefana ary ny hery sy ny fitsarana, ary ny anarana rehetra ijay misy. Hanapaka Kristy, tsy ho amin'ijao vanim-potôgna ijao mandy, fa ho amin'ny vanim-potôgna ijao ho avy koa.22Napetrak'Andriamanitra ho ao ambanin'ny tongotr'i Kristy avokoa ny raha manontolo ary natolony ho lohan'ny javatra rehetre ao amin'ny fengonana Ijy. 23Ny fengonana no vatagne, ny fahafenôn'Ilay mameno ny javatra rehetre amin'ny endriny rehetre.
Chapter 2

1Ary ny mahakasika anareo, die maty tao agnatin'ny fahadisônareo sy ny fahotanareo anareo. 2Tao amin'iregny fahadisôna iregne no niegnanareo talohake araka ny fomban'ijao tontolo ijao. Niaigna araka ny mpanapaka ireo fahefana egne amin'ny rivotre anareo, ilay fagnahy ijay miasa ao amin'ireo janaky ny tsy fankatoavana. 3Niaigna teo amin'iregne olo iregny aby koa antsena talohake, nagnatontosa ireo filan-dratsin'ny nofontsena, ary nagnatontosa ny fagniren'ny nofo sy ny saigna. Efa vôforogna ho janaky ny fahavignirana, hôtran'ny janak'olombelogna sisa antsena.4Kanefa manan-karena famindram-po Andriamanitra noho ilay fitiavana makadiry ijay nitiavane antsena. 5Tamintsena mbola maty tao agnatin'ny fahadisôna, die nivelomine niaraka tamin'i Kristy_tamin'ny fahasoavana no namonjena anareo. 6Niara-natsangagn'Andriamanitra antsena, ary niara-natobokane tao an-dagnitre ao amin'i Kristy Jesôsy,7 mba ahafahane magnaseho antsena amin'ny vanim-potôgna ho avy ny hakadirin'ny harenan'ny fahasoavane ijay tsy ajo rifesina abôkane amin'ny hatsaram-pagnahine amintsena ao amin'i Kristy Jesôsy.8Fa tamin'ny fahasoavana no namonjena anareo tamin'ny alalan'ny finôna, ary tsy avy aminareo ijane, fa fagnomejan'Andriamanitra. 9Tsy avy amin'ny asa ny fahasoavana mba tsy hisy hirehareha.10 Fa asan'Andriamanitra antsena, noforognina tao amin'i Kristy Jesôsy mba hagnano asa ijay fandaharan'Andriamanitra efa ela hôntsena, mba handihanantsena ao amin'ireo.11Noho ijane tadidio fa Jentilisa tao amin'ny nofo anareo talohake. Anareo die angihina hoe "tsy vôfora" eo amin'ireo ijay angihina hoe "vôfora" ao amin'ny nofo namboarin'ny tagnan'olombelogna. 12Satria mbola tafasarake tamin'i Kristy anareo tamin'ijane fotôgna ijane. Mpivahiny anareo teo amin'ny fokon'olon'ny Israely. Ary vahiny tamin'ny fagniken'ny fampagnantenana anareo. Tsy mbola nanagna fagnantenana ny amin'ny ho avy anareo. Tsy niarake tamin'Andriamanitra anareo tetiky amin'ijao tontolo ijao.13Fa amin'ijao fôtogna ao amin'i Kristy Jesôsy anareo ijay lavitre an'Andriamanitra talohake die nampagnantognina tamin'ny ràn'i Kristy.14 Satria Ijy no fihavagnantsena. Ijy no nahavy ny roe ho raike. Tamin'ny nofone no nandrodagnana ny rindrignan'ny fanoherana ijay nampisarasarake antsena. 15Ijane hoe, nifoagnane ny lalàn'ny didy sy ny fitsipike mba hamboarane olom-baovao raike amin'Ajy ao, sy mba hamboarane fampihavagnana. 16Kristy die mampihavana ny fokon'olo roa tonta ho vatagna raike amin'Andriamanitra amin'ny alalan'ny hajofijaliena, ka mamono ny fanoherana.17Fa avy Jesôsy ary nitory fihavagnana hônareo ijay lavitre ary fihavagnana hôn'ireo ijay marivo. 18Fa amin'ny alalan'i Jesôsy no hanagnantsena roa tonta fifandresana amin'ny Fagnahy raike megnagne amin'Iaba.19Noho ijane, tsy vahiny sy mpivahiny koa anareo Jentilisa ijao. Fa vô meka aja mpiray firenena miaraka amin'ireo ijay olo-masin'Andriamanitra anareo sady isan'ny havan'Andriamanitra.20 Efa naorigna teo amin'ny fotitre fagnoregnan'ireo apostoly sy ireo mpaminany anareo, ary Kristy Jesôsy mihitsy no vato fehijoro. 21Amin'Ajy ao no hikambagnan'ny fanoherana abiaby ary hitomboane hôtran'ny tempoly ao amin'ny Tompo. 22Amin'Ajy ao mandy no hananganana anareo miarake ho fitobohana hôn'Andriamanitra ao amin'ny Fagnahy.
Chapter 3

1Noho ijany, iaho Paoly, die gadran'i Kristy Jesôsy hônareo Jentilisa. 2Atako fa nagnaseho ny fitantanana ny fahasoavan'Andriamanitra ijay nomena an'ahy hônareo anareo.3Manoratra araka ny fagnambarana nampafantarina an'ahy iaho. Ijany no marina mivony mahakasika ijay nisoratako fohifohike taminareo. 4Laha mamaky ijany anareo, die ho afaka ny hahajo ny fomba fajahoako ijany marina mivony mahakasika an'i Kristy ijane. 5Tamin'ireo taranake hafa die tsy natao fantatry ny janak'olombelogna ijany marina ijane. Fa amin'ijao fotôgna ijao koja die nambara tamin'ny alalan'ny Fagnahy tamin'ireo Apôstôly sy ireo mpaminanine ijay vôtokagna hômin'itiky asa itiky.6Ijany marina ijany die mivoria fa ireo Jentilisa die mpiara-mandova, sy mpiara-miombogna amin'ny vatagna, ary mijara ny fampagnantenana ao amin'i Kristy Jesôsy amin'ny alalan'ny filajantsara areo. 7Fa nanjary mpanompon'ijane filajantsara ijany iaho tamin'ny fahasoavan'Andriamanitra nomena an'ahy tamin'ny alalan'ny fesan'ny herine.8Nomen'Andriamanitra an'ahy ijany fagnomejana ijane, na die iaho aja ny farany kitike indrindra amin'ireo olo-masin'Andriamanitra. Ijany fagnomejana ijany die mba hitoriako amin'ireo Jentilisa ny filajantsaran'ny harenan'i Kristy saro-tadiavina.9 Ny fagnomejam-pahasoavan'Andriamanitra hôn'ahy die ny hitondrako fagnajavana amin'ny olo-abiaby ny fandaharan'Andriamanitra. Io fandaharana io die navonin'Andriamanitra, ilay namorogna ny raha abiaby, nandritra ny taogna rahabe talohake.10Nampafantarina tamin'ny fengonana ijane fandaharana ijane mba hahatonga ireo mpanapaka sy ireo manam-pahefana agny an-dagnitre hahalala ny toetra rahaben'ny fahendren'Andriamanitra. 11Nipoitre araka ny fandaharana mandrakijay ijay tanterakane tao amin'i Jesôsy Kristy Tompontsena ijane.12Fa ao amin'i Kristy no anagnantsena fasahiana sy làlagna am-patokisana nohon'ny finoantsena an'Aje. 13Noho ijane mengavy anareo iaho mba tsy ho kivy nohon'ny fijaliako hônareo , ijay voninahitrareo.14Noho ijane die mandohalike eo agnatrehan'Iaba iaho, 15ijay nagnome agnarana ny fianakaviana abiaby agny an-dagnitre sy etoy an-tany. 16Mivavaka iaho mba hagnomejane anareo, araka ny harenan'ny voninahitrane, mba hatanjake amin-kery amin'ny alalan'ny Fanahy Masina, ijay ao aminareo.17Mivavaka iaho mba hitoboke ao am-ponareo amin'ny finôna Kristy, mba hifotitre sy hiorigna ao amin'ny fitiavane anareo. 18Hahajo hery anie anareo ka ho afa-mahatakatre, miaraka amin'ireo mpino abiaby, ny sakane, ny halavane, ny haavone, ary ny halalignane, 19ary mba hahalala ny fitiavan'i Kristy, ijay mihôtran'ny fahalalàna abiaby, ka mba ho henikan'ny fahafenoan'Andriamanitra abiaby anareo.20Ary hôn'ajy ijay mahavita magnano mihôtra ijay abiaby angatahintsena na eritreretintsena, araka ny hery ijay miasa ao agnatintsena, 21hôn'Ajy ny voninahitra ao amin'ny fengonana ary ao amin'i Kristy Jesôsy hatramin'ny taranake abiaby mandrakijay doria. Amena.
Chapter 4

1Noho ijany, iaho, amin'ny maha gadra ho an'ny Tompo anahy, die mampirisike anareo mba handeha am-pamendrehana amin'ny haike ijay nagnangehane anareo.2 Mampirisike anareo iaho mba hanagna fanetrehan-tena lehibe sy fahatsorana die faharetana, mifandefitra amin'ny fitiavana.3 Magnamboara jay farakin'ny aignao mba hampirimana ny firaisan'ny Fanahy amin'ny fatoran'ny fihavanana.4Raika mandy ny vatana die raike mandy koa ny Fanahy, hôtra ny nagnagihana anareo tao amin'ny fanantenan'ny fagnangihana anareo raike mandy koa. 5Die raike mandy ny Tompo, raike ny finôna, raike ny batisa, 6die raike mandy Andriamanitra sy ny Iaban'ny abiaby, jay ambonin'ny raha abiaby die amin'ny alalan'ny raha abiaby sy ao amon'nh raha abiaby.7Antsena kiraidraike aby die nomena fahasoavana arake ny haben'ny fagnomezan'i Kristy. 8Arake ny tenin'ny Soratra Masina ijany hoe: ''Rehefa niakatra tagny amin'ny avo,Ijy, die nitondra ny babo ho amin'ny fahababoana, die nanolotre fagnomezana ho an'ny fokonolo Ijy.''9Ino ny hevitry ny hoe: ''Niakatra Ijy,'' raha tsy hoe nidigna tany amkn'ny faritra ambanin'ny tany mandy koa Ijy? 10Ijy ny nidigna mandy ny olo niakatra ambone tany an-dagnitre, mba afahane mameno ny raha abiaby.11Kristy die nanolotre ny saragny ho apostôly, ny saragne ho mpaminany, ny sargne ho evanjelista, die ny saragne ho pasitera sy mpampianatre.12 Nagnome ireo asa ireo Ijy mba hagnampiana ny vahôkane masina ho amin'ny asa fanompoana, amin'ny fanoherana ny vatan'i Kristy.13 Manohy mgnorigna ny vatany Ijy mandra-pahatrarantsena aby ny firaisam-pinoana sy ny fahalalana ny Janak'Andriamanitra, die mba hahatonga antsena ho matotre ka mba hahatratre ny haben'ny fahafenoan'i Kristy.14Magnorigna antsena Kristy mba tsy ho hôtra ny jaja jay atopatopakin'ny onja koa antsena, die tsy ho indôson'ny rivotry ny fampenarana sy ny hafetsen'ny olo amin'ny tetika feno fitake. 15Fa antsena koja, amin'ny filazana ny fahamarinana amin'ny fiatiavana , die tokone hitombo amin'ny fomba manontolo ao amin'Ijy ijay aloha, ijany hoe, Kristy. 16Kristy die manangana ny tena manontolo, die nakambagna sy natambatre tamin'ny isan-tonony ijany, die rehefa miasa miaraka ireo, die mahatonga ny vatana hitombo mba hampiorina ny tenany amin'ny fitiavana.17Noho ijany, die milaza sy manindry mahare ijany ao amin'ny Tompo iaho, mba tsy hiaina hôtra ny Jentilisa koa anareo, amin'ny fahafoanan'ny fisainan'dreo.18 Mejigna ny fahafantaran'dreo, tafasarake amin'ny fiainan'Andriamanitra nohon'ny tsy fahafantarana ao amin'dreo, nohon'ny fahamafisam-pon'dreo.19 Tsy mahalala megnatre andreo die nanoltre ny tegnan'dreo ho aman'ny filan'ny nofo, die manohy manao ijao karazam-pahalotoana aby ijao20Fa tsy zay no fomba nianaranareo ny momban'i Kristy. 21Inoako fa naheregny ny moba Anajy anareo, die nampenarina tao aminajy, satria ny fahamarinana die ao amin'i Jesôsy. 22Nampenarina anareo mba hagnary ny fomba fiaignanareo toloha, mba hagnary ny toetre taloha. Ny toetre taloha jay nivetrake nohon'ny fitaky ny filany.23Nampenarina anareo mba homehavao ao amin'ny fanahin'ny sainareo,24 die hitafy ny olom-baovao ijay nohariana araka ny endrik'Andriamanitra _ ao amin'ny tena fahamarinana sy fahamasinana.25Noho ijany, elao ny vandy, die ôka ny kiraidraike aminareo hifampilaza ny marina amin'ny nekamany, satria samy isan'ny rantsan'ny antsena aby.26 Mivignira fa aja magnota. Aja avela ho tratrin'ny masoandro mody ny havigniranao. 27Aja magnome hirika ho an'ny devoly.28Ze nangalatre die tsy tokone hangalatra koa. Tsy mentsy miasa ijy, magnano asa tsara amin'ny tanany, mba hagnanane raha ho zaraina ho an'ny ao agnatin'ny tsy fahampiana.29 Aja avela hisy jaka ratsy hivôke laha tamin'ny vavanareo. Mampesà jaka jay olaina amin'ny fanorenana ny hafa, arake jay ilain'dreo, mba tena hagnampy ny jay mihaino anareo ny jakanareo. 30Die aja mampalahelo ny Fanahy Masin'Andriamanitra, fa laha taminajy no nagnamboarana tombo-katse anareo ho amin'ny andron'ny fanavotana.31Ialao ny lolom-po manontolo, haromontana, ny havignirana, ny fifamaliana, die ny fifampitenenan-dratsy, miarake amin'ny karazan'asa manontolo. 32Managna fahalemem-pagnahy amin'ny kiraidraike aby, fahatsoram-po, mifamelà heloke, hôtra ny namelan'Andriamanitre anareo tao amin'i Kristy.
Chapter 5

1Noho ijany ôka mba ho pangala tahaka an'Andriamanitra, hôtrany janaka malala. 2Ary mandehana amin'ny fitiavana, araka ny nitiavan'i Kristy antsena mandy koa sy nagnomejany ny tegnany hôn'tsena, fagnatitre manim-pofogna sy sorogna ho an'Andriamanitra.3Fa tsy tokony hisy na die resaka fijangajangana na karajagna fahalotôna na tsy fahononan-tegna aja eo aminareo, fa tsy mendrika ny olo-masin'Andriamanitra io.4 Aoka tsy hisy mamoafady, resaka môlamôla, ary hagnihagny tafahôtre_fa tsy mendrika ny rehetra amin'io. Fa koja tokony hisy fankasitrahana.5Fa afaka mahajo antoka ny amin'ijao anareo, fa tsy hisy mpijangajanga, maloto, na ny mpierigna_ijany hoe, mpanompo sampy_managna lova ao amin'ny fanjakan'i Kristy sy Andriamanitra.6 Ôka tsy hisy hamitaka anareo amin'ny jaka foagna, satria noho io raha io die tonga amin'ny janaky ny tsy fankatoavana ny fahavigniran'Andriamanitra.7 Noho ijany, aja mikambagna amin'dreo.8Fa mejigna anareo taloha, fa amijao anareo die fahajavana ao amin'ny Tompo. Mandehana hôtran'ny janaky ny majava,9 ( fa ny vokatry ny fahajavana die ao amin'ny fahatsarana manontolo, fahitsiena, sy fahamarinana). 10ary tadiavo ijay mahafinaritra ny Tompo. 11Aja mikambagna amin'ny asa tsy mamokatry ny hejigna, fa ampiharihario koja io.12 Fa mahamegnatra na die ny manognona io raha ataon'dreo io agny amin'ny misitrika aja.13Fa laha efa hajavain'ny fahajavana ny raha raike, die lasa miharihary.14 Fa ny raha manontolo ijay miharihary die hajavana. Noho ijany die vôlaja hoe: "Mifohaja, anao matory, ary mitsangàna amin'ny toeran'ny maty, die hamiratra aminao Kristy."15Mitandrema amin'ny fomba fiaignanao_tsy hôtran'ny tsy kante fa hôtran'ny kante. 16Ararôty ny fotôgna satria ijao andro ijao die ratsy. 17Noho ijany, aja môlamôla, fa takaro hoe ino no sitrapon'ny Tompo.18Ary aja magnano mamon'ny divay, fa mitondra agny amin'ny fahasimban-toetra ijany. Fa koja, ôka ho fenon'ny Fanahy Masina,19 Mifampiresaha aminareo samy anareo amin'ny salamo sy fihirana ary hiram-pagnahy, mihirà ary mikaloa amin'ny Tompo amin'ny fonareo manontolo.20 Misaora mandrakariva amin'ny raha manontolo, amin'ny anaran'ny anarn'i Jesôsy Kristy Tompontsena ho an'Andriamanitra ny Ray,21 mifanolora tegna amim-pagnajana ho an'i Kristy.22Ry viavy, magneke ny vadinareo, hôtran'ny amin'ny Tompo. 23Fa ny lelahy no lohan'ny viavy hôtran'i Kristy koa lohan'ny fengonana, ary Kristy koa lohan'ny fengonana, ary Kristy tegnany no mpamonjy.24 Fa hôtran'ny hagneken'ny fengonana an'i Kristy, die hôtran'ijany koa no tokony hagneken'ny viavy ny vadiny amin'ny raha aby daholo.25Ry lelahy, tiavo ny vadinareo, hôtrany ny nitiavan'i Kristy ny fengonana sy nagnomejany anajy ny aigne. 26Nanolotre ny tegnany ho an'ny fengonana Kristy mba hahafahany magnamasigna anajy, tamin'ny fagnadiovana anajy tamin'ny rano fanasana amin'ny teny,27 mba hahafahany mampiseho anajy ho be voninahitra eo aminajy, tsy misy pentigna na kentrona na raha hôtran'ijany, fa masina sady misy diso.28Hôtran'ijany mandy koa ny lelahy die tokony ho tia ny vadin'dreo avy hôtrany tegnan'dreo. Ijy ijay tia ny vadiny die tia ny tegnany mandy koa. 29Tsy bola nisy nankahala ny tegnany, fa mamahagna sy mikarakara ijany tsara, hôtran'i Kristy mamahagna ny fengonana sy mikarakara anajy mandy koa, 30satria antsena die ratsam-batagny.31Noho ijany antony ijany ny lelahy die handao ny ray sy ny reniny ka hikambagna amin'ny vadine, ary ijy roa die ho tonga nofo raike mandy." 32Lehibe ijany fahamarinana misitrika momban'i Kristy sy ny fengonana.33 Kanefa, ny tsiraidraike aminareo mandy koa die tokony ho tia ny vadiny aby hôtrany tegnany, ary ny viavy die tokony hagnaja ny vadine.
Chapter 6

1Ry janaka, magneke ny abanareo amin'ny endrinareo ao amin'ny Tompo, satria mety ijany.'' 2Hajao ny abanao sy ny endrinao"( ijany no didy voalohany misy fampagnatenana), 3"mba hahita soa anao ary mba ho lava andro iaignana eto ambonin'ny tany."4Anareo ray, aja mitondra ny janakareo ho amin'ny havignirana. Fa koja, tejao amin'ny fitsipika sy ireo fampianaran'ny Tompo areo5Ry mpanompo, mankatoava ny tomponareo ety an-tany amin'ny haja ambony sy fangovitana, amin'ny fahatsoran'ny fonareo.6 Mankatoava an-dreo hotran'ny nankatoavanareo an'i Kristy. Mankatoava tsy eo imason'ny tomponareo mandy mba hankasitrahan-dreo. Fa koja, mankatoava hôtran 'ny mpanompon'i Kristy, ijay manao ny sitrak'Andriamanitra amin'ny fonareo manontolo. 7Manompoa amin'ny fonareo manontolo, hôtran'ny hoe manompo ny Tompo anareo fa tsy olo, 8satria fantantsena fa n'ino n'ino asa tsara ataon'ny olo kiraidraik e, die handray valim-pitia avy amin'ny Tompo ijy, na andevo ijy na olon'afake.9Anareo Tompo, manôva hôtrin'ireo raha ireo mandy koa amin'ny mpanomponareo. Aja mampihorohoro an-dreo. Fantatrareo fa Ijy ijay sady Tomponareo no Tompon-dreo any an-dagnitre, ary tsy misy fiangarana ao Amin'Ajy.10Farany, mahereja ao amin'ny Tompo sy amin'ny tanjaky ny heriny. 11Itafio ny fiadian'Andriamanitra abiaby, mba ahafahanao mijoro manohitre ireo tetiky ny devoly.12Fa ny adintsena die tsy manohitre ny nofo sy rà. Fa koja, manohitre ny fanjakana sy ny fahefana ara-pagnahy sy ireo mpanapaky ny fanjakan'ny fahamenjin-dratsy, manohitre ireo fagnahy ratsy agny amin'ny fitoeran-dagnitre.13 Noho ijany itafio ny fiadian'Andriamanitra abiaby, mba ahafahanareo mijoro amin'ijao andron'ny ratsy ijao, ary laha vitanareo ny raha abiaby, die hahatohitre anareo.14Mijoroa, noho ijany, laha avy nagnano fehikibon'ny fahamarinana sy ny fiarovan-tratran'ny fahitsiana anareo. 15Ary hôtrin'ny kiraro ho an'ny tongotrareo, die apetaho ny fahavonognana hitory ny filajantsaran'ny fihavanana. 16Amin'ny toe-draha abiaby die reso ny ampingan'ny finôna, ijay ahafahanareo manohitre ireo jana-tsipike mirehitr'afon'ilay ratsy.17Ary reso ny aro lohan'ny famonjena sy ny sabatry ny fagnahy, ijay jakan'Andriamanitra.18 Amin'ny vavaka sy fangatahana abiaby die mivavaha amin'ny Fanahy amin'ny fotôgna abiaby. Amin'ijany fomba fisaignana ijany, die miambena fehjijay amin'ny faharetana abiaby, laha manolotre vavaka ho an'ireo olo-masin'Andriamanitra anareo.19Ary mivavaha ho an'ahy, mba hisy hafatre homena an'ahy laha manokatra ny vavako iaho. Mivavaha mba afahako mampahafantatre amin'ny fahasahiana ny fahamarinana miafina momban'ny filazantsara. 20Ho an'ny filazantsara no maha ambasadaoro vôfatotra amin'ny gadra an'ahy, mba ahafahako magnambara an'ijany am-pahasahiana, laha tsy mentsy hijaka aho.21Tykiko, ilay rahalahy malala sy mpanompo mahatoky ao amin'ny Tompo, no hampahafantatre anareo ny raha abiaby, mba hahalalanareo ijay ataoko.22 Nirahiko taminareo ijy noho io tanjona io indrindra, mba hahafantaranareo ireo raha momba anay, ary mba ahafahany mampahahery ny fonareo.23Fiadanagna ho amin'ireo rahalahy, ary ny fitiavana miaraka amin'ny finoana avy amin'Andriamanitra Ray sy ny Tompo Jesôsy Kristy. 24Ny fahasoavagna anie ho amin'ijay abiaby tia an'i Jesôsy Kristy Tompontsena amin'ny fitiavana tsy maty mandrakijay.

Philippians

Chapter 1

1Paoly sy Timoty, mpanompon'i Jesôsy Kristy, ho an'ireo abiaby vôtokagna ho an'iJesôsy Kristy ijay agne Filipy, miaraka amin'ireo mpiandraikitra sy ireo diakona. 2Ho aminareo anie ny fahasoavana sy fiadagnana avy amin'Andriamanitra Iabantsena sy Jesôsy Kristy Tompo.3Misaotra ny Andriamanitro aho amin'ny fahatserovako anareo. 4Ao amin'ny fivavahako ho anareo aby, die amin,ny fifalena hatragny no anôvako ny fivavahako. 5Magnome fisôrana iaho nohon,ny fiombognanareo amin,ny filanjantsara nanomboka tamin'ny andro vôlohane ka hatramin'ijao. 6Mahatoky an'ijao raha ijao aho, fa Ijy ijay nanomboke asa tsara taminareo die hanohe hagnatanterake ijay hatramin'ny andron'ny Jesôsy Kristy.7Fa tsara amin'ahe ny mahatsapa hôtran'ijany ny amin'ny momba anareo abiaby satria ato am-poko anareo. Anareo abiaby die mpiara-miasa amin'ahe tamin'ny fahasoavana na tamin'ny figadrako sy tamin'ny ferovako na koa tamin'ny fagnamafisana ny filajantsara. 8Fa Andriamanitra no vavolombeloko, fa manigna anareo tokotre iaho amin'ny famindram-pon'i Kristy Jesôsy.9Ary Iaho mivavake an'ijao: mba hitombo hatragne hatragne ny fitiavanareo amin'ny fahalalana sy fahajavan-tsaigna abiaby. 10Mivavake ho an'ijany iaho mba hagneke ijay tsara die tsara anareo, mba ho tso-po sy tsisy tsigny amin'ny andron'ny Kristy. 11Mivavake iaho mba ho fenon'ny vokatry ny fahamarinana ijay avy amin'ny Jesôsy Kristy anareo, ho voninahitre sy fiderana an'Andriamanitra.12Ary tieko ho fantatrareo ,ry rahalahy, fa ireo raha ijay nitranga tamin'ahe die niasa ho amin'ny fampandrosôna ny filajantsara tokôtre: 13Vokatr ijany ny fatorako ao amin'ny Kristy die nihatrihatry majava nagnerana ireo mpiambin-dapa abiaby sy ireo olo hafa. 14Ny ankabejan'ireo rahalahy die managna toky mavente tokôtre ao amin'ny Tompo noho ny fatorako, ary sahe magnatoro tsy amin-tahotre ny jakan-dreo.15Ny saragne aja die mitory an'i Kristy amin'ny felognana sy fifandirana tokôtre ary ireo hafa koja amin'ny sitrapo tsara. 16Ireto farane die mambotre ijany amin'ny fitiavana, mahafantatre fa iaho die napetrake eto ho ferovana ny filajantsara. 17Fa irôgna vôlohane die mitory an'i Kristy amin'ny fitiavan-tegna, fa tsy tso-po. Ijy iregny die mihevitre fa hanakorontagna an'ahe laha mbola ao amin'ny fifatorako iaho.18Ino ary? Amin'ny fomba abiaby, na amin'ny fetsaram-belatsihy na amin'ny fahamarinana, Kristy no toriana, ary mifaly ny amin'ijany aho. Ieke, ho faly iaho, 19fa fantatro fa ijany die hefara amin'ny fagnafahana an'ahe amin'ny alalan'ireo vavakareo sy ny fagnampian'ny Fanahin'i Jesosy Kristy.20Ijany die arake ny fendrasako fatratre sy ny antoke fa iaho die tsy ho megnatre mihitsy, ary mbola amin'ny fahasahena aby mandy, ankehitriny hôtran'ny hatraminijay, die hisandratre ato amin'ny tegnako Kristy, na amin'ny fiagnana na amin'ny fahafatesana. 21Ho an'ahe ny hoe miaigna die Kristy ary ny hoe maty die tombony.22Fa laha miaigna amin'ny nofo iaho, die midika asa mahavokatre ho an'ahe ijany. Kanefa ino no ho fidiako? Tsy fantatro. 23Fa voatery mahare eo agnelagnelagn'ijy roe iaho. Ny fagnireko die ny handeha ary hiarake amin'ny Kristy, ijay tsara lavitre, 24kanefa mitoetre ao amin'ny nofo die ilaina tokôtre noho anareo.25Resy lahatre ny amin'ijany, die fantatro fa hitoetre sy hanohy hiarake aminareo abiaby iaho, ho an'ny fandrosoanareo sy fifalena ao amin'ny finôna. 26Mba ho ao amin'ahe die hanagna antony hireharehana ao amin'i Kristy Jesôsy anareo laha miverigna agne aminareo indraike aho. 27Mitondrà tegna amin'ny fomba mendrike ny filajantsara an'i kristy, ka na tonga hijaha anareo aho na tsy eo, die afaka ny haharegne momba anareo, fa mijoro mafy amin'ny fagnahy raike anareo, amin'ny saigna raike miara-miejake ho an'ny finôna ny filajantsara.28Ary aja mete ampitahorin'ireo ijay fahavalonareo. Mariky ny fahapotehan-dreo ijany, fa mariky ny famonjenareo koja_ary ijany die avy amin'Andriamanitra. 29Fa namena anareo ijany ho an'i Kristy, tsy hoe mba hinôna Ajy fotsiny, 30fa hijaliana ho an'Ajy koa, fa ianareo die managna ady manahatre an'ijay hitanareo tamin'ahe, ary ijay regninao amin'ahe ankehitriny

Chapter 2

1Laha misy fampaherejana ao amin'ny Kristy, laha misy fampiononana avy amin'ny fitiavana, laha misy firesana amin'ny fagnahy, laha misy famindrampo lehibe sy fiantrana, 2die atôvy feno ny fifaliako amin'ny fisegnana hôtran'ijane, amin'ny fanagnana fitiavana mitovy, amin'ny firesana am-pagnahy, ary amin'ny fanagnana tanjogna mitovy.3Aja magnano na ino na ino amin'ny fitiavan-tegna na fagnambonian-tegna fôgna. Fa amin'ny fanetren-tegna koja die mihevera ny hafa magnotre ny tegnanareo. 4Tokony tsy handrembe ijay mahatsara ny tegnanareo mandy ny kiraidraike aminareo, fa ijay mahatsara ny hafa mandy koa.5Mandiniha hôtran'ny fisegnana ijay tao amin'ny Kristy Jesôsy mandy koa. 6Efa nisy araka ny endrik'Andriamanitra Ijy, fa tsy nandinike ijany fitovena amin'Andriamanitra ijany ho raha hifikirane Ijy, 7Ny mifanohitre amin'ijany, nofoagnane ny tegnane. Nangala ny endriky ny mpanompo Ijy. Ary niseho ho hôtran'ny olombelogna Ijy. Ary hita nitovy tamin'olombelogna Ijy. 8Nanetry tegna Ijy ary avy nanjary mpagneke hatramin'ny fahafatesana, die ilay fahafatesan'ny hajofijaliana!9Noho ijany die nasondrotr'Andriamanitra ambony die ambony mandy koa Ijy. Nomene ilay Agnarana ijay ambonin'ny Agnarana abiaby Ijy. 10Namboarine ijany mba ho amin'ny Agnaran'ny Jesôsy no handohalihan'ny lohalika abiaby, ny lohalik'ireo ijay agne an-dagnitra sy etoy an-tany ary agne ambanin'ny tany. 11Namboarine ijany hagnekejan'ny lela abiaby fa Jesôsy Kristy no Tompo, ho voninahitr'Andriamanitra Ray.12Noho ijany, ry malalako, hôtran'ny agnekejanareo hatragne, tsy eo amin'ny fagnatrehako mandy fa mihôtre lavitre aja ankehitriny laha tsy eo iaho, dia aboahy amin'ny tahotre sy hovitre ny famonjena anareo. 13Satria Andriamanitra no miasa ao aminareo mba ho vonon-kagnano no sady hiasa ho an'ny fifaliana anareo.14Atôvy tsy am-pitaregnana na fiadian-kevitra ny raha abiaby. 15Manôva hôtran'ijany mba ho tonga janak'Andriamanitra tsy misy tsigny sady marina, tsy misy takaitre anareo. Miasa hôtr'ijany mba hamirapiratanareo hôtran'ny fahajavana eo amin' ijao tontolo ijao, eo agnivon'ny taranaka meloke sady maditre. 16Mifikira mahare amin'ilay Tenin'ny Fiaignana mba hanagnako antony hireharehana amin'ny andron'ny Kristy. Fa amin'ijany die ho fantatro fa tsy vere maigna ny nihajakajahako ary tsy very maigna ny niasàko17Fa na die ahidigna ho fanatitre eo amin'ny sorogna sy fanompom-pinôna aja iaho, die mifaly iaho, ary miara-mifaly aminareo abiaby aho. 18Ary hôtran'ijay koa no hifalianareo, ary miara-mifale amin'ahe anareo.19Fa manantegna ao amin'ny Tompo Jesôsy iaho fa handefa an'i Timoty agny aminareo malaky, mba hahere mandy koa aho laha fantatro ny raha momba anareo. 20Fa tsy managna olo hafa mitovy toe-saigna amin'aje iaho, ijay tena magnahy ny aminareo. 21Fa ijy abiaby die mandrembe ny tombon-tsoane, fa tsy rahan'i Jesôsy Kristy.22Fa fantatrareo ny fahamendrehane, satria hôtran'ny jaja manompo ny abane, no nanompône niaraka tamin'ahe tao amin'ny filajantsara. 23Koa magnantena ny handefa an'ajy aho laha vôhitako hoe magnano ahôna ny fandehan-draha atoy amin'ahe. 24Fa matoky ny Tompo aho fa ho avy agny malaky koa ny tegnako.25Fa mieritreritre aho fa ilaina mandy koa ny mampipody an'i Epafrôditô agny aminareo, Rahalahiko ijy sy mpiara-miasa no mpiara-miady, sady mpitondra hafatrareo ijy no mpanompo amin'ijay ilaiko. 26Fa tra-pahorena mafy ijy, ary manigna ny hiaraka taminareo abiaby ijy, satria regninareo fa narary ijy. 27Fa tena narary ijy ka efa saike mate. Fa namindra fo tamin'aje Andriamanitra, ary tsy tamin'ajy raike, fa tamin'ahy koa, mba tsy hanagnako alahelo ambonin'ny alahelo.28Koa die amin-paharisihana lehibe tokôtre no handefasako an'aje, ka laha hahita an'ajy indraike anareo dia mba hifale ka dia ho afaka loholoho amin'ny fagnahiako iaho. 29Reso ao amin'ny Tompo Epafrôditô miaraka amin'ny fifaliana abiaby. Hajao ny olo hôtran'aje. 30Fa ho an'ny asan'ny Kristy no nagnakekejane ny fahafatesana. Fa nagnano vy verin'ny aigne ijy hanompôna an'ahe mba hagnantanterahane ijay tsy afaka namboarinareo tamin'ny fanompôna an'ahe.

Chapter 3

1Farany, ry rahalahy, mifalia ao amin'ny Tompo. Tsy manahiragna anahe ny mamerigna manoratra iregny raha iregny ho anareo. Iregny raha iregny die hiaro anareo. 2Mitandrema amin'ireo amboa. Mitandrema amin'ireo mpagnano ratsy. Mitandrema amin'ireo fanapahana rantsam-batagna.3 Fa antsena no vôfora. Ary antsena manompo amin'ny Fagnahin'Andriamanitra. Ary antsena no mirehareha ao amin'i Kristy Jesôsy, ary tsy mitoky amin'ny nofo.4Na ijany aja, iaho tegnako die afake mitoky amin'ny nofo. Laha misy olo mihevitre fa ijy die managna fahatokisana amin'ny nofo, afake magnano magnôtre noho ijany iaho.5 Noforaina tamin'ny andro fahavalo iaho, terake tao amin'ny vahôkan'Isiraely, tao amin'ny fokon'ny Benjamina, Hebreo tao amin'ireo Hebreo iaho; arake ny lalàna, die Fariseo iaho.6Tamin'ny jotom-po, die nagnenjike ny fiangonana iaho; Laha ny amin'ny fahamarignana ambanin'ny lalàna, die tsy nagnanan-tsigny iaho. 7Ndre ino nino tombone ho anahy, die noresiko hôtran'ny fantiantoke iregny nohon'ny amin'i Kristy.8Laha ny tena ijy, nisaiko ho faty antoke aby ireo raha manotolo nohon'ny hakadirin'ny fahalalana an'i Kristy Jesôsy Tompoko. Noho Ijy die nareko ny raha abiaby. Heveriko ho fako iregny mba hajahôko an'i Kristy 9ary ho hita ao Aminy iaho. Tsy managna ny fahamarignana ho an'ny tegnako laha tamin'ny lalàna iaho. Fa koja, managna ny fahamarignana ijay tamin'ny alaln'ny finôna an'i Kristy iaho, fahamarignana laha tamin'ny Andriamanitra ijay mifototre amin'ny finôna.10 Koa amijao die te hafantatre Anajy sy ny herin'ny fitsanganany tamin'ny maty ary ny fiombognana amin'ireo fijaliany iaho. Te hiova amin'ny alalan'i Kristy iaho mba hanahake ny fahafatesany, 11mba hafahako mahatsapa ny fitsanganana amin'ny mate.12Tsy marina fa efa nahajo ireo raha ireo sahady iaho, na koa hoe tanga tanterake iaho. Fa mikofoke iaho mba hajahôko ilay nahajahôn'i Kristy Jesôsy anahe.13 Ry rahalahy, tsy mandinika iaho fa ny tegnako die efa nahajo ijany. Fa misy raha raike: Adinoiko ijay agny afara ary mikofoke ho an'ijay eo aloha iaho. 14Mikofoke magnatratre ny tanjogna iaho mba hahajo ny lokan'ny haike lahatagny agnambo avy amin'Andriamanitra ao amin'i Kristy Jesôsy15Antsena aby ijay matotre, ôka antsena handinike hotran'ijany; ary laha misy eritreritrao hafa momba ny raha manotolo, die ho abôkan'Andriamanitra aminareo mandy koa ijany. 16Kanefa, na ino nino efa tratrantsena, ôka antsena hifikitre amin'ijany.17Ôka ho mpangala hotran'ahy, anareo ry rahalahy. Dinoho marivo ireo ijay menga arake ny ohatra ijay hitanareo ao aminay. 18Rahabe ireo nenga_ ireo ijay efa nijakaiko anareo matetike, ary amijao iaho mijaka aminareo amin'ny ranomaso hotran'ny fahavalon'ny hajofijalian'i Kristy.19 Fandravana no fiafaran'ijay ireo. Fa ny trokany no andriamanine, ary ny fireharehan'ijy ireo die ao amin'ny hegnatrane. Mandinike ny rahan'ijao tantolo ijao andreo.20Fa agny an-dagnitre ny fanjakantsena, ijay hendrasantsena Mpamonjy mandy koa, die ny Tompo Jesôsy Kristy.21 Ijy die hagnova ny vatantsena ijay malemy mba ho vatagna manahake ny vatagny feno voninahitre, ijay namboarina tamin'ny herin'ny fahefane mba hampagneke ny raha manontolo amin'ny tegnany
Chapter 4

1Noho ijany, ry rahalahy malalako ijay mahamanigna an'ahe, fifaleko sy satro-boninahitro, amin'ijany die mijoroa tsara ao ami'ny Tompo, ry akamako malala. 2Mengavy an'i Eodia iaho, ary mengavy an'i Syntyke, miresa saigna ao amin'ny Tompo.3 Ary, mngataka aminao mandy koa iaho, ry akamako mpitondra vesatre: Ampio ireo viavy ireo. Satria areo die niara-niasa tamin'ahe tamin'ny fagnaparitahana ny Filajantsara niarake tamin'i Klementa sy ireo sisa akama mpiara-miasa amin'ahe abiaby, ijay efa agnatin'ny Bokin'ny Fiaignana ny agnaran-dreo.4Mifalia fehijay ao amin'ny Tompo. Hoy mandy iaho, mifalia. 5Abilao ho fantatr'olo abiaby ny fahatsoram-ponareo. Efa mariny ny Tompo. 6Aja magnahy na amin'ino na amin'ino. Fa koja, amin'ny raha-abiaby amin'ny alalan'ny vavake sy fangatahana, miarake amin'ny fisôrana, abilao ny fagnirenareo ho fantatr'Andriamanitra. 7Ary ny fedagn'Andriamanitra, ijay mihôtran'ny fahalalàna abiaby, hiaro ny fonareo sy ny fisaignanareo abiaby ao amin'i Kristy Jesôsy.8Ary farany, ry rahalahy, n'ino n'ino marina, n'ino n'ino manan-kaja, n'ino n'ino ara-drarigne, n'ino n'ino madio, n'ino n'ino mafinaritre, n'ino n'ino nijakaina fa tsara, laha misy n'ino n'ino tena tsara, laha misy n'ino n'ino tokony hideraina, die mieritrereta iregny raha iregny. 9Ireo raha ijay nenaranareo sy niresinareo sy regninareo ary hitanareo tamin'ahe, atôvy iregny raha iregny, ary ny Andriamanitry ny fedagnana hiaraka aminareo.10Mifaly be ao amin'ny Tompo iaho satria natsarainareo mandy amin'ijao fotogna ny fieritreretanareo an'ahe. Efa nandinika an'ahe koa anareo taloha, fa tsy nisy fahafahana hônareo mba hagnampy. 11Tsy mijaka ijany aho satria ao agnatin'ny tsy fanagnana. Fa efa nianatra ny hifaly amin'ijay toe-draha-mibôke abiaby iaho. 12Fantako ny hoe misotry ary fantako koa ny hoe manan-karena. Amin'ny fomba abiaby sy amin'ny raha abiaby die nianatra ny tsembaratelon'ny fihinanam-be sy ny mosary iaho, ary ny hoe manan-karena sy ny ao agnatin'ny tsy fanagnana. 13Afaka mambôtre ny raha abiaby iaho amin'ny alalan'Ilay mampahery an'ahe.14Kanefa, anareo nagnano ny tsara tamin'ahe tamin'ny fasarihagnako. 15Ary anareo Filipiana mahafantatra fa tamin'ny fetombohan'ny filajantsara, laha nienga an'i Makedonia iaho, die tsy nisy fengonana nagnampy an'ahy ny mahakasika ny fagnomejana sy fandresana afa-tsy anareo mandy. 16Na tamin'iaho tagny Tesalonika aja, die nandefa fagnampiena hôn'ijay nirombejiko mihôtran'ny iandraika mandeha anareo. 17Tsy hoe mirembe fagnomejana aho. Fa koja, miremby vokatre ijay mampisondritre ny voninahitrareo iaho.18Nandray ireo raha abiaby iaho, ary managna betsake. Fa feno aho. Vôraiko avy tamin'i Epafrodito ireo raha avy aminareo. Ireo die hagnitre misy fofogna, ijay fagnatitre ajo ekena sy ankasitrahan'Andriamanitra. 19Ary Andriamanitro hameno ijay abiaby ilainareo araka ny harenan'ny voninahine ao amin'i Kristy Jesôsy. 20Ary hôn'Andriamanitra Iabantsena anie ny voninahitra mandrakijay doria. Amena.21Manôva veloma an'ny mpino abiaby ao amin'i Kristy Jesôsy. Ireo rahalahy ijay miaraka amin'ahe die magnano veloma anareo. 22Ireo mpino abiaby ijay eto magnano veloma anareo, indrindra ireo ijay avy ao amin'ny fianakavian'i Kaisara. 23Ny fahasoavan'i Jesôsy Kristy Tompontsena anie hômin'ny fagnahinareo. [Fagnamarihana: Misy ireo fandikana saragne magnampy hoe: "Amena."]

Colossians

Chapter 1

1Paoly, apôstôlin'i Kristy Jesôsy amin'ny alalan'ny sitrapon'Andriamanitra, ary i Timoty rahalahintsena, 2hôn'ireo mpino sy ireo rahalahy mahatoky ao amin'i Kristy ijay agny Kolosia. Hôminareo anie ny fahasoavana, sy ny fedagnana avy amin'Andriamanitra Iabantsena. [Fagnamarihana ambanin'ny takelake: "misy dikan-teny saragne magnampy hoe: ''ary Jesôsy Kristy Tompo"]. 3Magnome fisôrana an'Andriamanitra antsena, Iaban'i Jesôsy Kristy Tompontsena, die mivavake fehijay hônareo ahay.4Efa regninay ny finônareo an'i Kristy Jesôsy ary ny fitiavana ijay anagnanareo hôn'ijay abiaby vôtokagna hôn'Andriamanitra.5 Managna ijany fitiavana ijany anareo noho ny fagnantenana ajo antoka natokagna hônareo agny an-dagnitre. Regninareo ny mahakasika io fagnantenana ajo antoka io talohan'ny teny amin'ny fahamarignana, ny filajantsara, 6ijay avy aminareo. Itoy filajantsara itoy die mitondra vokatre ary mitombo eran'ijao tontolo ijao. Ijany die efa nambôtre ijany taminao mandy koa nanomboka tamin'ny andro naharignesanao an'ajy ary nenaranao ny mahakasika ny fahasoavan'Andriamanitra ao amin'ny marina.7Itoy ny filajantsara ijay araka ny nenaranareo tamin'ny Epafra, ilay mpiara-manompo malalantsena, ijay mpanompo mahatokin'i Kristy amin'ny agnarantsena. [Fagnamarihana ambanin'ny takelake: misy dikan-teny saragne mivaky hoe: "Amin'ny agnaranareo"]8 Nijakain'ny Epafra anay ny fitiavanareo ny fagnahy.9Noho io fitiavana io, hatramin'ny andro naharignesanay ijany die tsy nijanogna nivavake hônareo ahay. Nangataka ahay mba ho feno fahalalana ny sitrapony amin'ny fahendrena abiaby sy fahalalana ara-pagnahy anareo. 10Nivavaka ahay mba handihananareo am-pahamendrehana ao amin'ny Tompo amin'ireo fomba ankasitrahan'Andriamanitra. Nivavaka ahay mba hamokatra amin'ny asa soa abiaby anareoa ary mba hitombo fahalalana an'Andriamanitra.11Mivavaka ahay mba hahajo hery amin'ny fahejana abiaby anareo araka ny herin'ny voninahitra amin'ny feretana sy ny fahadignasana. 12Mivavaka ahay mba hagnome fisôrana an'ny Abantsena am-pifalena, ijay nahafahanareo hanagna anjara amin'ny lovan'ireo mpino amin'ny fahajavana [Fagnamarihana amban'ny takelake: misy dikan-teny saragne mivaky hoe: "ijay nahafahantsena nanagna anjara"].13Nagnavotre antsena tamin'ny fandidian'ny hejigna sy namindra antsena ho agny amin'ny fanjakan'ny Janakalahine malalany Ijy. 14Ao amin'ny Janakalahine no anagnantsena ny fagnavotana, ny fagnabilana ireo fahotana. [Fagnamarihana ambnin'ny takelake: misy dikan-teny saragne mivaky hoe: "Ao amin'ny Janakane no anagnantsena fagnavotana amin'ny alalan'ny ràne, die ny fagnabilana ireo fahotana."]15Ny Janaka lahy die endrik'ilay Andriamanitra tsy hita maso. Ijy ilay teraka vôlohane tamin'ny famorognana. 16Fa tamin'ny alalane no namorognana ny raha abiaby, ireo ijay agny an-dagnitra sy ireo ijay atoy ambonin'ny tany, ireo raha hita maso sy ireo tsy hita. Na ireo seja fendrianana, na ireo fandidiana, na ireo fitondram-panjakana, na ireo manam-pahefana, ireo raha abiaby die noforognina tamin'ny alalane sy hôn'aje.17 Ijy no alohan'ny raha abiaby, ary ao amin'aje noaharetan'ny raha abiaby.18Ijy no lohan'ny vatagna, sy ny fengonana. Ijy no fetombohana sy teraka vôlohany avy eo afovôn'ireo maty, ka ijy no nanagna toerana vôlohany teo afovôn'ireo raha abiaby. 19Satria sitrak'Andriamanitra ny tokony hiegnan'ny fahatsarany abiaby ao amin'aje,20 ary mba hampihavana amin'ny alalan'ny Janaka lahy amin'ny raha abiaby amin'ijy tegnane. Andriamanitra no nihavana tamin'ny alalàn'ny ràn'ny hajo fijaleny. Andriamanitra no nampihavana ny raha abiaby tamin'ny tegnany, na ny raha abiaby eto ambonin'ny tany na ireo raha abiaby agny an-dagnitre.21Tamin'ny fotôgna raike, anareo mandy koa, die vahiny tamin'Andriamanitra ary tao an-tsaigne sy tamin'ireo asa ratsy. 22Fa amin'ijao fotôgna ijy no nampihavana anareo tamin'ny tegnany manontolo tamin'ny alalan'ny fahafatesana. Namboariny ijany mba hanôvana anareo ho masina, tsy hanam-pondro eo ankatrehane, nangala baraka an'aje noho ny fagnaratsena, 23laha manohy amin'ny finôna anareo, miorigna sy mafy origna, die aja miala amin'ny fagnantenana mahatokin'ny filajantsara ijay regninareo. Itoy no filajantsara ijay nilajaina tamin'ny olo abiaby noforognina ambanin'ny lagnitre. Itoy ny filajantsara ijay, nahatonga an'ahy, Paoly, ho mpanompo.24Amin'ijao fotôgna aho die faly amin'ny fijaleko hônareo, ary iaho die nameno ny nofoko ijay tsy ampy amin'ireo fahoren'i Kristy noho ny vatagne, die ny fengonana.25 Noho ny fengonana no naha-panompo an'ahe, araka ny andraikitra avy amin'Andriamanitra ijay nomeny an'ahe hônareo, mba hahatanteraka ny tenin'Andriamanitra. 26Io no marina mivony ijay nasitrike nandritra ny taogna maro sy hôn'ireo janaka. Fa amin'ijao fotôgna die efa niseho ijany tamin'ireo ijay mino an'aje.27 Tamin-dreo no tian'Andriamanitra nampahafantarina ireo harenan'ny voninahitr'itoy fahamarignana mivony itoy teo afovôn'ny Jentilisa. Ijany die Kristy no ao aminao, ilay tokin'ny voninahitra ho avy.28Die ijy ilay nambaranay. Nagnanatra ny olo abiaby ahay, ary nampianatra ny olo abiaby tamin'ny fahendrena abiaby, mba hanolorantsena ny olo abiaby feno ao amin'i Kristy. 29Noho ijany die miasa mahare aho sy mikofoke araka ny tanjagne ijay miasa ato agnatiko amin'ny hery.
Chapter 2

1Fa tiako ho fantatrareo ny halehibiajan'ny tologna natriheko ho anareo, ho an-dreo agny Laodikia, sy ho an-dreo maro mbola tsy nahita ny tarehiko tamin'ny nofo. 2Miasa iaho mba hampahery ny fon-dreo amin'ny fampiresana an-dreo miaraka amin'ny fitiavana sy harena abiaby amin'ny fahalalana ajo antoke, ho amin'ny fahalalana ny fahamarinana takon'Andriamanitra. Ijany hoe, i Kristy. 3Ao amin'Ajy ny haren'ny fahendrena sy ijay fahalalana abiaby no mivony.4Mijaka an'ijany iaho mba tsy hisy hitarike anareo amin'ny lahateny mandresy lahatra. 5Na die tsy miaraka aminareo amin'ny nofo aja iaho , die miaraka aminareo ao amin'ny fagnahy. Faly iaho mahita ny filaminanareo tsara sy ny tanjakin'ny finoanareo an'i Kristy.6laha nandray an'i Kristy Tompo anareo, die mandihana ao amin'Ajy. 7Mifikira mafy amin'ajy, miorena ao amin'Ajy, miorena ao amin'ny finôna ijay efa nampenarina anareo, ary majotoa magnome fisôrana.8Mitandrema mba tsy hamela olo hanambotra anareo amin'ny alalan'ny filôjofia na ny fitaka fôgna araky ny fataon'ny olo, ijay magnarake ny endrik'ijao tontolo ijao, fa tsy araka an'i Kristy. 9Fa amin'Aje no mipetrake ny fahatsaran'ny tegnan'Andriamanitra abiaby.10Feno anareo ao amin'Aje. Ijy no lohan'ny hery sy ny fahefana abiaby. 11Tao amin'Aje mandy koa anareo no noforaina tamin'ny famorana ijay tsy namboarin'olombelogna amin'ny fangalana ny nofo amin'ny vatagna, fa tamin'ny famoran'i Kristy. 12Niara-nalevigna tamin'Aje tamin'ny batisa anareo, ary tao amin'Aje no nananganana anareo tamin'ny alalan'ny finôna maherin'Andriamanitra, ijay nanangagna an'Aje tamin'ireo ijay maty13Tamin'ny anareo maty tamin'ireo fahotana sy ny tsy fahavitan'ny nofonareo famorana, Ijy no namelogna anareo niaraka tamin'Ajy sy namela antsena tamin'ireo fahotantsena abiaby. [fagnamarihana: misy dikan-teny taloha saragne vakiana hoe: '' ary nagnabela ny fahotantsena rehetra'']. 14Nifafane ny rakitsoratrin'ny trosam-panafahana sy ireo fitsipika nifanohitre tamintsena. Nalaine ijany abiaby ijany ary nifantsihine teo amin'ny hajo fijaliana. 15Nalaine ireo hery sy ireo fahefana, ary Ijy die nagnano fampisehoana ampahibemaso an-dreo nandresy magnôtre an-dreo tamin'ny hajo fijaliana.16Koa, aja abela hisy hitsara anareo na amin'ny Fihinagna na amin'ny fisotroana, na amin'ny andro fety na amin'ny volagna vaovao, na amin'ny andro Sabata. 17Ijany no alok'ireo raha ho avy, fa ny tena ijy die i Kristy.18Aja abela hisy na ija na ija ijay mila ny fanetren-tegna sy ny fideran'ny anjely hitsara anareo ka tsy hajahoanareo ny lokanareo. Ny olo hôtran'ijany die miditre amin'ny raha hitane ary manjary mieboebo amin'ny fisaignan'ny nofone. 19Tsy mitagna ny lohany ijy. Ijany die avy amin'ny loha ijay nomenan'Andriamanitra ny vatagna manontolo magneragna ireo vanin-taolagny sy ny hojany ijay magnome ka mitagna ijany abiaby ijany mitambatra; ijany die mitombo miaraka amin'ny fampitomboana nomen'Andriamanitra.20Laha maty niaraka tamin'ny Kristy anareo tamin'ireo endrik'ijao tontolo ijao, nahôna ary anareo no miaigna hôtrin'ny vôtery amin'ny tany: 21'''Aja mihodigna, aja magnandragna, ary aja mikasike?" 22Ijany raha abiaby ijany die ho an'ny fahalovana, araka ny torolalagna sy ny fampenaran'olombelogna. 23Iregny fitsipika iregny die managna fahendren'ny fomba fivavahana, ny fanetren- tegna ijay nataon'ny tegnany manokagna ary ny fampahorena ny vatagna. Fa ijy ireo die tsy manan-danja amin'ny fanoherana ny fandiferana ny filan'ny nofo.

Chapter 3

1Koa laha Andriamanitra no nanangagna anareo niarake tamin'i Kristy, rombejo ireo raha agny agnambo agny, ijay itobohan'i Kristy eo an-tagna-kavanan'Andriamanitra.2 Dinoho ireo raha agny agnambo, fa tsy ireo raha etoy an-tane.3 Fa efa maty anareo, ary ny fiaignanareo die mivony4 miarake amin'i Kristy ao amin'Andriamanitra. Laha mibôke i Kristy, ijay fiaignanareo, die anareo koa miara-mibôka amin'aje ampagnajana. [Fagnamarihana egny amban'ny takelake: Ireo dikan-teny taloha saragne mijaka hoe: ''Laha mibôke Kristy, ijay fiaignanareo, die anareo mandy koa die miara-mibôke miarake amin'aje am-boninahitra.]5Vonoy, avy eo, ireo mpikambagna ijay eto an-tany- ny filàn-dratsy, fahalotôna, firehetan'ny filàna, fagnirian-dratsy, ary fahatendana, ijay fanompôm-sampy. 6Noho ireo raha ireo no mahatonga ny fahavigniran'Andriamanitra amin'ireo janaky ny tsy fagnekena. [Fagnamarihana egny ambanin'ny takelake: Ny dikan-teny taloha saragne mivaky hoe: '''Noho iregny raha regny no mahatonga ny fahavigniran'Andriamanitra.''] 7Tao amin'ny raha ijay nandihananareo iregny taloha mandy koa laha mbola niaigna tao amin'iregny anareo.8 Fa amijao die tsy mentsy magnary iregny raha aby regny-fahatezerana- fahavignirana, ireo fagnirian-dratsy, ireo fagnevatevana, ary jaka fahavetavetana avy amin'ny vavanareo.9Aja mivande, fa efa narenareo ny toetra taloha miarake amin'ireo fampiharana ijany,10 ary nampanôvinareo ny toetra vaovao ijay nihavôjina ao amin'ny fahalalana arake ny endrik'ijay namorogna ijany. 11Ao amin'ijany die tsy misy Grika sy Jiosy, vôfora sy tsy vôfora, barbariana, Skytiana, andevo olon'afaka, fa i Kristy no manotolo, ary ao amin'ny abiaby.12Koa, mekanjoa, araka ny maha-olom-bôfidin'Andriamanitra, masina ary malala, famidram-po, hatsaram-pagnahy, fagnetren-tegna, fahalemem-pagnahy, ary fahadignasana.13 Mifampitondrà tsara. Mifamelà. Laha misy olo raike managna fitaraignana mahakasika ny olo hafa, mamelà hôtran'ijay nagnabilan'ny Tompo anareo.14 Ambonin'iregny raha abiaby iregny, manàgna fitiavana, ijay mamehy antsena amin'ny fahatanterahana.15Ôka ny fiadanagn'i Kristy handidy ao amin'ny fonareo. Fa hôn'ijany fedanagna ijany no nangihana anareo ho vatagna raike. Ary misôra. 16Ôka ny jakan'i Kristy hipetraka rahabe ao aminareo. Amin'ny fahendrena remanotolo mifampenara ary mifagnanara amin'ireo salamo sy fihirana ary hira ara-pagnahy. Mihirà amin'ny fisôrana ao am-ponareo hôn'Andriamanitra. 17Ndre ino ndre ino amboarinareo, na amin'ny jaka na amin'ny asa , amboary amin'ny agnaran'ny Tompo Jesôsy ny abiaby. Magnomeja fisôrana hôn'Andriamanitra ilay Iaba amin'ny alalane.18Ry vevavy, magneke ny vadinao, fa ijany no mety ao amin'ny Tompo.19 Ry rahalahy, tiavo ny vadinareo, die aja maseke amin-dreo.20 Ry janake, magneke an'iabanao sy endrinao amin'ny raha abiaby, fa ijany no ankasitrahany ao amin'ny Tompo.21 Ry iaba, aja magnano ijay mampalahelo ireo janakareo, mba tsy ho kivy areo.22Ry andevo, magneke ny tomponareo araka ny nofo amin'ireo raha abiaby, tsy amin'ny asa eo imaso hôtran'ny olo mpitady dera, fa amin'ny fo tsotre. Matahora ny Tompo. 23Ndre ino ndre ino ny amboarinareo, mesà lahatamin'ny fagnahinareo toy ny hôn'ny Tompo fa tsy hôn'olo. 24Fantatrareo fa anareo die hahajo ny valisoan'ny lova lahatamin'ny Tompo. Ijy no Tompo Kristy ijay tompoinareo. 25Fa ijay magnano ny tsy mety die hahajo ny sajy hôn'ny tsy mety ijay namboariny, ary tsy misy fagnavakavahana.
Chapter 4

1Ry Tompo, omeo ireo andevo ijay marigna sy rarine. Fantatrareo fa anareo mandy koa managna tompo raika agny an-dagnitra.2Mahadignasa fehijay amin'ny fivavahana. Membena amin'ijany amin'ny fagnomejana fisôrana. 3Meraha mivavaka hônay mandy koa, mba hamohan'Andriamanitra varavaragna hôn'ny teny, mba hijakana ny fahamarignana mivonin'i Kristy. Nohon'ny amin'ijany, die vôfatotre aho. 4Mivavaha mba hahafahako magnajava ijany, laha tokony hijaka aho.5Mendihana ampahendrena agny amin'ireo ijay agny ivelany, ary ararôty ny fotôgna. Ôka ny jakanareo hiaraka amin'ny fahasoavana fehijay.6 Ôka ireo ho vonton-tsira, mba hafahanareo mahalala ny fomba tokony hamalianareo ny olo kiraidraike.7Laha ireo raha mikasika an'ahe, die i Tykyko no magnatoro iregny aminareo. Ijy die rahalahy malala, mpanompo majoto, ary mpiara-manompo ao amin'ny Tompo.8 Nampandihaniko aminareo agny ijy noho ijao, mba hahafahanareo mahafantatra ny ny raha mahakasika anay, ary mba hahafahanay mampahery ny fonareo. [Fagnamarihana egny ambanin'ny takila: ireo dikan-teny saragne taloha mivaky hoe: "nampandihaniko aminareo agny ijy noho ijao, mba hahafahany mahafantatra ireo raha mahakasika anareo, ary mba hahafahany mampahery ny fonareo". ] 9Nampandihanoko ijy niaraka tamin'i Onesimosy, ilay rahalahy majoto sady malala, ijay raike aminareo. Areo no hijaka aminareo ny raha abiaby ijay efa niseho tatoy.10Aristarko, ilay miara-migadra amin'ahe, die magnontany anareo, hôtr'ijany koa i Marka, havan'i Barnabasy (ijay nahajoanareo beko; laha mandeha agny aminareo ijy, die reso), 11ary Jesôsy mandy koa ijay angihina hoe Josto. Ireo avy amin'ny vôfora ireo mandy no mpiara-miasa amin'ahe hôn'ny fanjakan'Andriamanitra. Fampionognana hôn'ahe areo.12Eparfa die miarahaba anareo. Raika aminareo ijy ary mpanompon'i Kristy Jesôsy. Mitologna am-bavaka hônareo fehijay ijy, mba hahatanteraka anareo ary ho ajo antoka tanteraka ao amin'ny sitrapon'Andriamanitra abiaby. 13Fa mitsangana vavolombelona hôn'aje aho, fa miasa mahare hônareo ijy, sy hôn'ireo agny Laodika, ary hôn'ireo ijay agny Hierapolia. Lioka ilay mpitsabo malala sy Demasy die14 miarahaba anareo.15Agnontanio ireo rahalahy any Laodika, sy Nymfa, ary ny fengonana ijay ao an-dragnone. 16Laha vôvaky eo afovônareo itoy taratasy itoy, die atôvy vakina ao amin'ny fengonan'ny Laodikiana mandy koa, ary atôvy vôvakinareo mandy koa ny taratasy avy any Laodika. 17Jakay i Arikipo hoe: "Tandremo ny asa fanompôna ijay niresinao tao amin'ny Tompo, fa tokony ho tantirahinareo ijany."18Itiky fanôvam-beloma itiky die amboarin'ny tagnako manokagna -Paoly. Tadidio ny fatotrako. Hôminareo anie ny fahasoavana.

1 Thessalonians

Chapter 1

1Paoly, Silasy, ary Timoty ha an'ny fiengonan'ireo Tesaloniana ao amin'Andriamanitra Ray sy Jesôsy Kristy Tompo. Hôminareo anie ny fahasoavana sy fedagnana. [Fagnamarihana: Ireo dikan-teny saragne taloha die mivaky hoe: "Hôminareo anie ny fahasoavana sy fedenana avy amin'Andriamanitra Ray sy Jesôsy Kristy Tompo."]2Magnome fisôrana an'Andriamanitra mandrakariva ijahay ny aminareo manotolo, ka manognona anareo amin'ny vavakay. 3Ijahay die tsy mijanogna mahatadidy anareo eo anatrehan'Andriamanitra Raintsika ny asan'ny finônareo, ny asan'ny fitiavanareo ary ny fahatokisanareo maharitra hôn'ny hoavy ao amin'ny Jesôsy Kristy Tompotsena.4Ry rahalahy, tien'Andriamanitra, fantatray fa Ijy die efa nifidy anareo,5 satria ny filajantsaranay die avy taminareo tsy tamin'ny jaka mandy , fa tamin'ny hery mandy koa, tamin'ny fanahy Masina, ary ny fahatokiana be. Mitovy amin'ijany, anareo mandy koa die mahalala hoe olo hôtran'ija ahay teo aminareo noha ny aminareo.6Nanjary nanahatre anay sy ny Tompo anareo, tamin'ny nandresanareo ny teny tamin'ny ady soratra lehibe sy tamin'ny fifalena laha tamin'ny Fanahy Masina.7 Vokatry ijany, tonga ohatra ho an'ny manotolo ijay mino ao amin'ny Makedonia sy Akaia anareo.8Fa lahataminareo no nagnenoan'ny tenin'i Tompo, ary tsy tao Makedonia sy Akaia mandy. Fa koja, teny amin'ny toerana manotolo no nihelejan'ny finônareo an'Anadriamanitra. Vakatr'ijany, die tsy mila mijaka na ino na ino antsena. 9 Fa areo mandy no hijaka ijay fandresana ajonay teo aminareo. Ijy ireo die mijaka ny fomba nitodihanareo tamin'Andriamanitra ka niala tamin'ireo sampy mba hanompo an'Andriamanitra velogna sy marina,10 Ijy ireo die nitatitra fa anareo die mandigny ny janagne lahatagny an-dagnitra, ijay natsangagny tamin'ireo maty. Jesôsy ijany, ijay magnafaka antsena amin'ny fahavignirana ho avy.
Chapter 2

1Fa ny tegnareo die mahalala, ry rahalahy, fa ny fevenay teto aminareo die tsy fôgna.2 Fantatrareo fa teo aloha die nijaly sy nalaim-baraka tagny Filipy ahay. Ahay die sahy tao amin'Andriamanitray hijaka taminareo ny filajantsaran'Andriamanitra tao agnatin'ny fanoherana makadiry.3Satria ny fagnanaranay die tsy avy amin'ny fahadisôna, na avy tamin'ny fahalotôna, na avy tamin'ny vandy. 4Fa koja, araka ny nankatoavan'Andriamanitra anay mba hatokisana amin'ny filajantsara, noho ijany die mijaka ahay. Mijaka ahay, tsy hampifaly ny olo, fa hampifaly an'Andiamanitra. Ijy ilay mahafantatra ny fonay.5Satria tsy die nampiasa mihintsy ireo teny fagnatsarana ahay, araka ny fantatrareo, na koa ho felan-tsigny noho ny fagnirena, satria Andriamanitra no vavolombelognanay. 6Na koa nirembe ny voninahitra avy amin'ny olo ahay, na koa avy aminareo na avy amin'ireo hafa. Ahay die afaka nitaky ireo tombotsoa hôtran'ireo apôstôlin'i Kristy.7Fa koja, ahay die tsotra teo aminareo hôtran'ny iendrine mankahery ny janagne nateragne. [Fagnamarihana: Ireo dikan-teny hafa saragne die mivaky hôtr'ijao: "Fa koja, ahay die hôtran'ny jajakely teo aminareo, laha magnanatra ny janagny nateragne iendrine."]8 Die hôtr'ijay no nanagnanay fitiavana hônareo. Faly ahay mijara aminareo, tsy ny filajantsara an'Andriamanitra mandy, fa ny fiaignay manokagna mandy koa. Satria anareo die nanjary malalanay tokôtre.9 Satria tadidinareo, ry rahalahy, ny asanay sy ny fisasaranay. Andro aman'aligna no nesanay mba tsy hahafahanay mampitondra ny mavesatra ny raika aminareo. Nandritra ijany fôgna ijany, die nagnambara ny filajantsaran'Andriamanitra taminareo ahay.10Anareo no vavolombelogna, ary Andriamanitra mandy koa, fa masina, sy marina, ary tsy manan-tsigny ny fitondran-tegnanay teo aminareo ijay mino.11 Hôtr'ijany mandy koa die fantatrareo hoe hôtrany aôna no nataonay taminareo kiraidraike hôtran'ny nataon'ny iabane tamin'ny janagne nateragne, 12nengavy sy nankahery ary nandrisike anareo ahay mba handeha amin'ny fomba ijay magneva an'Andriamanitra, ijay mangaika anareo ho ao amin'ny fanjakane sy ny voninahitrane manokagna.13Fa ijany antony ijany no isôranay mandy koa an'Andriamanitra fehijay. Fa anareo laha naharegny avy taminay ny hafatr'Andriamanitra ijay regninareo, die niresinareo ijany tsy hôtran'ny tenin'olo. Fa koja niresinareo ijany araka ijay marina, die ny tenin'Andriamanitra. Ijany teny ijany koa no miasa eo aminareo ijay mino.14Satria anareo, ry rahalahy, die nanjary hôtran'ireo fengonan'Andriamanitra agny Jodia ijay amin'ny Jesôsy Kristy. Fa anareo mandy koa die nijaly tamin'ireo raha ireo mandy noho ny nataon'ireo raika tanindrajagna aminareo, hôtrany nahajo an-dreo koa nohon'ny nataon'ny Jiosy tamin'aje. 15Ireo Jiosy no namono an'i Jesosy Kristy sy eo mpaminany. Ireo Jiosy no nadrôka anay. Tsy nagneky an'Andiamanitra areo. Fa koja, areo die fahavalon'ny olo abiaby. 16Areo die nandrara anay tsy hijaka amin'ireo Jentilisa mba tsy hamonjena an'ajy reo. Vokatr'ijany die mameno ny fahotan'ny tegnany fehijay areo. Ny havignirana die tsy mentsy avy eo amin-dreo amin'ny farany.17Tafasaraka taminareo ahay, ry rahalahy, tagnatin'ny fotôgna fohy, tamin'ny fagnatrehana fa tsy tamin'ny fo. Tena najoto fatratra ahay, nagniry mahare, ny hahita ny tegnanareo. 18Satria nagniry ny hoagny aminareo ahay, iaho, Paoly, matetitetike, nefa nisakagna anay i Satana.19 Fa ino moa ny fagnantenanay ny ho avy, na fifalena, na satro-boninahitry ny fandresena eo agnatrehan'i Jesôsy Tompontsena amin'ny feviane? Moa tsy anareo hôtran'ireo saragne hafa koa ve? 20Fa anareo no voninahitray sy fifalenay.
Chapter 3

1Noho ijany, laha tsy afake niaritre ijany koa ahay, die nieritreritinay fa tsara ny mipetra-drery tao Atena. 2Nagnirake an'i Timoty ahay, ralahy sy mpiara-miasa ho an'Andriamanitra ao amin'ny filajantsaran'i Kristy, mba hagnamafy sy hankahery momban'ny finônareo. [Fanamarihana: Ny dikan-teny saragne hafa taloha die mivaky hoe : ''Nagnirake an'i Timoty ahay, ralahinay ary mpanompon'Andriamanitra ao amin'ny filajantsaran'i Kristy.''] 3Namboarinay ijany mba tsy hisy olo ho taitre noho reo fahorena ireo. Fa ny tegnanareo die mahafantatre fa ijany no nanondroana antsena.4Marina tokotre, laha niarake taminareo ahay, die nijaka meloha taminareo fa antsena die tsy maintsy hampahorena, ary nitranga ijany, araka ny fantatrareo. 5Noho ijany antony ijany, laha tsy nahadigny ijany koa iaho, die nagnirake mba hahafantarako ny finônareo. Hingatre ny mpangala fagnahy die efa nangala fagnahy anareo, ary ho raha-tsimanambatrake ny asantsena.6Fa tonga taty aminay avy lahatagny aminareo i Timoty ary nintondra ny vaovao mahafalin'ny finôna sy fitiavanareo hô anay. Nijaka taminay ijy fa anareo die managna fahatserovana tsara anay fehijay, ary anareo die magniry mafy ny hahita anay hôtran'ny fagnirianay hahita anareo.7 Noho ijany, ry ralahy, ahay die nampaherijanareo, nohon'ny finônareo, tao agnatin'ny fiitebitebiana sy fahorenay manotolo.8Fa amijao velogna ahay, laha mifikitre mahare amin'ny Tompo anareo. 9Fa fisôrana hotrani'aia no ajonay amena an'Andriamanitra ny aminareo, tamin'ny hafalena manontolo ijay anagnanay teo ankatrehan'Andriamanitray noho ny aminareo?10 Mivavaka mahare andro amagnaligna ahay mba tokony hahita ny endrikareo sy hagnome ijay tsy ampy ao amin'ny finônareo.11Andriamanitra Iabantsena tegnane, ary Jesôsy Tompontsena anie, hagnitsy ny lalanay ho aminareo .12 Ny Tompo anie hampitombo sy hampandroso amin'ny fifankatiavanareo amin'ny hafa sy ny olo-abiaby, hôtrane ny amboarinay aminareo koa.13 Ijy anie hagnamafy ny fonareo, ka mba tsy hanagnan-tsigny amin'ny fahamasignana andreo eo ankatrehan'Andriamanitra Iabantsena , amin'ny fieven'i Jesôsy Tompontsena miaraka amin'ireo masine manontolo.
Chapter 4

1Ary farany, ry rahalahy, mahery sy magnanatra anareo ahay ao amin'ny Tompo Jesôsy. Raha nahajo ireo fampenarana laha tamin-dreo mahakasika ny fomba tsy mentsy handihananareo sy hamalifalenareo an'Andriamanitra, ny amin'io làlagna andihanana io mandy koa, die mba amboaranareo mihôtre ijany.2 Fa anareo die mahafantatre ireo fampenarana ijay namenay anareo tamin'ny alalan'i Jesôsy Tompo3Fa ijao no sitrapon'Andriamanitra, die ny hagnamasignana anareo, mba hienganareo amin'ny fijangajangana,4 ijay ahafataran'ny kiraidraike lahataminareo ny fomba ajahôna ny fanaky ny tegnany ao amin'ny fahamasignana sy voninahitre,5 tsy amin'ny filan-drasy ( Hôtran'ireo Jentilisa ijay tsy mahafantatra an'Andriamanitre).6 Ôka tsy hisy olo handika na hagnaratsy ny rahalahiny amin'ijany. Fa ny Tompo namaly amin'iregny raha-abiaby regny, hôtran'ny nampitandremanay meloha sy nijorônay vavolombelogna taminareo.7Fa Andriamanitra die tsy nangaika anay amin'ny fahalotôna, fa amin'ny fahamasignana.8 Noho ijany, ijay tsy magneky ijany die tsy magneky olo, fa Andriamanitra, ijay nagnome ny Fagnahy Masina hôn'areo.9Mahakasikan'ny fifankatiavan'ny mpirahalahy, tsy mila olo hafa anareo hanoratra hôn'areo, fa anareo tegnanareo die nampenarinan'Andriamanitra mba hifankatia.10 Amboarinareo tokôtre ijany, hôn'ireo rahalahy abiaby ijay magneragna an'i Makedomia. Fa ahay die magnanatre anareo, ry rahalahy, mba hagnano mihôtre.11 Magnanatre anareo mandy koa ahay mba hiaigna am-pilamignana, handinike ny makasikeanareo manokagna, ary hiasa amin'ny tanagnareo, araka ny nandidienay anareo,12 mba hanagnanareo fitondran-tegna tsara eo agnatrehan'ireo tsy mino ary tsy hisy raha hampahory.13Fa tsy tienay tsy ho fantatrareo, ry rahalahy, ny mahakasika ireo ijay efa mate, mba tsy hampalahelo anareo hôtran'ireo ambine ijay tsy magnantegna ny ho avy.14 Fa laha mino antsena fa Jesôsy die mate ary nitsangana indraike, die hôtran'ijay koa no hitondran'Andriamanitra miaraka amin'i Jesôsy ireo ijay efa maty tao amin'Aje. 15Fa ijao no jakainay aminareo ao tamin'nyjakan'ny Tompo, fa antsena ijay velogna, ijay sisa nivela amin'ny fevian'ny Tompo, die tsy heloha tokôtre ireo ijay efa mate.16Fa ny tegnan'ny Tompo no hijotso hatagny an-dagnitre. Ho tonga miaraka amin'ny feo agnambo Ijy, miaraka amin'ny feon'ny Arkanjely, ary miaraka amin'ny trompetran'Andriamanitra, ary ny maty ao amin'i Kristy no hitsangagna vôlohane.17 Avy eo antsena ijay velogna, ijay sisa nivela, hiaraka hiakatre amin-dreo egny amin'ny rahogna ka hifankahita amin'ny Tompo egny amin'ny habakabake. Amin'ijany die hiaraka amin'ny Tompo fehijay antsena.18 Noho ijany, mifampahereja amin'ireo jaka ireo.
Chapter 5

1Ankehitriny mikasika ireo fotôgna sy ireo vanim-potôgna, ry rahalahy, tsy mila n'ino na ino vôsoratre ho anareo ianareo. 2Fa ianareo tegnanareo mahalala tsara fa andron'ny Tompo die ho avy hôtrin'ny mpangalatra amin'ny aligna. 3Laha mijaka areo."Miadagna sy milamigna," die fahapotehana tampoka no ho avy amin-dreo. Ho tahaka ny fahararian'ny viavy betroke laha miteraka ijany tsy ho afa-milefa mihitsy areo.4Fa anareo, ry rahalahy, dia tsy ao anatin'ny henjigna ka hahatratra anareo tampoka hôtran'ny mpangalatra ny andro. 5Fa anareo abiaby dia janaky ny majava sy ny andro. Tsy janaky ny aligna antsena na ny henjigna. 6Noho ijany dia andao antsena tsy hoandry hôtrin'ny fataon'ny ambiny. Fa koja ôka antsena hiambigna tsy hahonon-tegna. 7Fa ireo ijay mandry dia magnano ijany amin'ny aligna, ary ireo ijay mamo dia magnano ijany mandy koa amin'ny aligna.8Fa laha mbola amin'ny andro antsena die tsy mentsy mahonon-tena antsena ary mitafy finôna sy fitiavana ho fiarovan-tratra, ary antoky ny famonjena amin'ny ho avy ho fiarovan-dohantsena. 9Fa Andriamanitra tsy nanendre antsena ho amin'ny fahavignirana, fa hahajahôna ny famonjena amin'ny alalan'ny Jesôsy Kristy Tompontsena. 10Ijy ilay maty ho antsena, na mahatsiaro antsena na mandry. die afaka miara-miaigna amin'Ajy. 11Ka noho ijany mifampionona sy mifampahereja anareo, hôtrin'ny efa nataonareo.12Mangataka aminareo ahay, ry rahalahy, mba hagnekenareo ijay mikely aigna aminareo sy mitondra anareo amin'ny Tompo ary magnanatre anareo. 13Mangataka anareo mandy koa ahay mba hagnaja an-dreo am-pitiavana noho ny asan-dreo. Mihavagna amin'ny tegnanareo. 14Magnanatre anareo ahay, ry rahalahy: mampitandrema ny fikorotagnana, hampaherejo ireo kivy, ampio ireo malemy, mahareta amin'ny abiaby.15Indro tsisy olo mamaly ratsy ny ratsy na amin'ija na ija. Fa koja, mitadiava ijay tsara ho an'ny tsirairaike sy ho an'ny abiaby. 16Mifalia mandrakariva. 17Aja mitsahatre mivavaka. 18Misaora amin'ny raha abiaby. Fa ijany no sitrapon'Andriamanitra ao amin'ny Kristy Jesôsy ho anareo.19Aja mamono ny Fagnahy. 20Aja manao tsinontsinona ireo faminaniana. 21Andramo ny raha abiaby. Mifikira amin'ijay tsara. 22fadio ireo fisehoan'ny ratsy abiaby.23Andriamanitry ny fiadagnana anie hampahamasina anao tanterake. Öka ny fagnahinareo manontolo, ny aigna, ary ny vatagna, die ho tehirijina tsy hanan-tsiny ho amin'ny fahatongavan'i Jesôsy Kristy Tompontsena. 24Mahatoky ijy ilay nangaike anao, ilay raike ijay hagnano ijany mandy koa.25Ry rahalahy, mivavaha mandy koa ho anay. 26Arahabao amin'ny fagnorohana masina ny rahalahy abiaby. 27Mangataka aminareo amin'ny Tompo aho mba ho vakiana amin'ny rahalahy abiaby itoy taratasy itoy. 28Ho aminareo anie ny fahasoavan'ny Jesôsy Kristy Tompontsena.

2 Thessalonians

Chapter 1

1Paoly, sy Silasy, ary Timoty, ho agny amin'ny fengonan'ireo Tesaloniana ao amin'Andriamanitra Iabantsena sy Jesôsy Kristy Tompo. 2Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana lahatamin'Andriamanitra Raintsika sy Jesôsy Kristy Tompo3Ijahay die tokony hagnome fisôrana an'Andriamanitra hônareo fehijay, ry rahalahy. Fa ijany no tsara atao, satria tena mitombo fatratra ny finônareo, ary ny fitiavanareo kiraidraike die mitombo hoan'ny hafa.4 Noho ijany die ahay tegnanay die mijaka ampireharehana momba anareo eo amin'ireo fengonana Andriamanitra. Ijahay die mivoria momban'ny faharetanaeo ary ny finônareo tamijay rehetra nagnenjehana anareo. Miresaka momban'ireo fahorena ijay nieretanareo.5 Ijany die famantarana ny fitsarana marin'Andriamanitra. Ny vokany die ho resina ho mendrika ny fanjakan'Andriamanitra ijay nijalenareo anareo.6Marina amin'Andriamanitra ny hamaly hahorena ireo ijay nampahory anareo,7 ary hagnome fitsaharana hônareo ijay nampahorena niaraka taminay. Hataone ijany amin'ny fisehôn'ny Jesôsy Tombo avy agny andagnitra miaraka amin'ireo anjelin'ny heriny. 8Ao amin'ny afo milelalela no hanôvany valivaty amin'ireo ijay tsy mahafantatra an'Andriamanitra sy amin'ireo ijay tsy mamaly ny filajantsaran'i Jesôsy Tompontsena.9Ijy ireo die hifaly amin'ny famejan'ny fandringanana mandrakijay lavitry ny fagnatrehan'ny Tompo sy ny voninahitry ny heriny. 10Hagnano anijany ijy abiaby avy amin'ijany andro ijany mba hagnomejan'olo voninahitra anajy sy hijindagan'ireo abiaby ijay nino. Fa ny fijorônay vavolombelogna aminareo die ninôna.11Noho ijany die mivavaka mandrakariva hônareo mandy koa ahay. mivavaka ahay mba homendrika ho resin'Andriamanintsena amin'ny fentsôna anareo. Mivavaka ahay hitantirahiny amin'ny hery ny fagnirenareo ny fahatsarana sy ny asan'ny finôna manotolo. 12Mivavaka ho an'ireo raha ireo ahay mba amenareo voninahitra ny agnaran'i Jesôsy Tompontsena. Mivavaka ahay mba hagnomejany voninahitra anareo, nohon'ny fahasoavan'Amdriamanitra sy Jesôsy Kristy Tompo.
Chapter 2

1Ankehitriny ny mahakasikan'ny fevien'i Jesôsy Kristy Tompotsika sy ny nanangonana antsena hiaraka aminajy: magnotany anareo ahay, ry rahalahy,2 mba tsy ho mora hilengilegnina na hihorohoro anareo, na amin'ny fagnahy, na amin'ny hafatra, na amin'ny taratasy ijay hôtran'ny hoe ho avy aminay, nohon'ny vokatrin'ny fieven'ny andron'ny Tompo ijany.3Aja avela hisy olo hamitaka anareo na amin'ny fomba ahôna. Fa tsy ho avy ijany laha tsy afaran,ny andro filavôna, ary ny lelahy mpandika lalàna die aseho, ny janaky ny fahasimbana. [Fagnamarihana: ny dikan-teny taloha sasagny die mivaky hoe: " ary ny lelahy mpagnota die aseho"].4 Ijy ilay manohitra sy manandratra ny tegnany amin'ijay rehetra angihina hoe Andriamanitra na ijay ivavahana. Vokatr'ijany, die nipetraka tao amin'ny Tempolin'Andriamanitra ijy ary mampiseho ny tegnany hôtran'Andriamanitra.5Tsy tadidinareo ve fa tamin'iaho mbola niaraka taminareo die efa nijaka anireo javatra ireo? 6Ankehitriny fantatrareo ino no mitagna anajy, mba hisehôny amin'ny fotôgna mety irery ihiany.7 Fa ny java-miafignin'ny fandikan-dalàna die efa miasa, misy olo raika hiany manakagna anajy ankehitriny mandra-pangalana anajy teo amin'ny lalagna.8Aviteo ilay tena mpandika lalàna die haseho, ijay hivonin'i Jesôsy Tompo amin'ny fofonaignan'ny vavane. Ny Tompo die hitondra anajy amin'ny tsisy dikany amin'ny alalan'ny fisehôn'ny fievene.9 Ny fieven'ilay tena mpandika lalàna die nohon'ny asan'ny Satana miaraka amin'ny hery rehetra, ireo famantarana, ary ireo fahagagana tsy marina, 10ary miaraka amin'ny fitaka rehetra ny amin'ny tsy fahamarinana. Ireo raha ireo die ho an'ireo ijay very, satria ijy ireo die tsy nandray ny fitiavan'ny fahamarinana mba hahavôvonjy anajy ireo11Noho ijany antony ijany die mandefa asan'ny fahadisôna Andriamanitra mba hinôn'ijy ireo vande. 12Vokatr'ijany die hitsaraina daholo ijy manotolo, ireo ijay tsy mino ny fahamarinana fa koja mangala fahafinaretana amin'ny tsy fahamarinana.13Fa ahay die tokony hagnome fisôrana an'Andriamanitra fahijay hônareo, ry rahalahy notiavin'ny Tompo. Fa Andriamanitra nifidy anareo ho hôtran'ireo vôloham-bokatra hôn'ny famonjena amin'ny fagnamasinana ny Fanahy sy ny finôna ny fahamarinana. [Fagnamarihana: ny dikan-teny hafa die mivaky hôtran'ny jao: " Fa Andriamanitra die nifidy anareo hatamin'ny vôlohany ho an'ny famonjena]. 14Ijany no nangehany anareo tamin'ny alalan'ny filajantsaranay mba hajahônareo ny voninahitr'i Jesôsy Kristy Tompontsena. 15Ka noho ijany, ry rahalahy, mijoroa mafy. Tano ireo fahamarinana ijay nampenarina anareo. Na tamin'ny jaka na tamin'ny taratasinay.16Ankehitriny ôka Jesosy Kristy Tompontsena tegnane, ary Andriamanitra Raintsena ijay tiantsena sy nagnome antsena fankaherejana mandrakijay sy ny fahatokisana tsara ho an'ny ho avy amin'ny alalan'ny fahasoavana, hankahery ary17 hametraka ny fonareo amin'ny asa tsara abiaby sy ny jaka
Chapter 3

1Ankehitriny, ry rahalahy, mivavaha ho anay, mba ho deraina sy homem-boninahitra ny tenin'nyTompo, die hôtran'ijany mandy koa ny aminareo. 2Mivavaha mba ho afaka amin'ireo ratsy fagnahy sy olon-dratsy ahay, fa tsy ny abiaby no manam-pinôna. 3Fa ny Tompo die mahatoky, ijay magnamafy origna sy miambigna anareo amin'ilay ratsy.4Managna fahatokisana amin'ny Tompo momba anareo ahay, mba sady hanaovanareo no hanohijanareo ireo raha ijay nandidianay anareo. 5Ny Tompo anie hitarike ny fonareo ho amin'ny fitiavan'Andriamanitra sy ny fiaretan'i Kristy.6Ankehitriny mandidy anareo ahay, ry rahalahy, amin'ny agnaran'ny Jesôsy Kristy Tompontsena, mba hiala amin'ireo rahalahy abiaby ijay miaigna ao agnatin'ny hakamoana sy tsy araka ireo fomban-drajagna ijay noresinareo taminay. 7Fa anareo tegnanareo dia mahafantatre fa mety aminareo no mangala tahaka anay. 8Tsy niaigna teo anivonareo hôtran'ireo ijay tsy nanagna fitsipika ahay. Tsy nihinagna hanin'olo tsy naloa vola ahay. Fa koja, niasa andro aman'aligna tamin'ny asa sarotre sy raha sarotre ahay, mba tsy ho enta-mazefatre ho an'ny tsirairaike aminareo. 9Tsy hoe nohon'ny tsy fanagnana fahefana no nanaovanay an'ijany. Fa koja, nagnano ijany ahay mba ho fitaratra ho anareo, ka mba hanahaka anay anareo10Laha niaraka taminareo ahay die nandidy anareo hoe: "Laha misy raike tsy te hiasa, die tsy tokony hihinagna ijy". 11Fa maharegny ahay fa miraviravy tagnana ny saragne aminareo. Tsy miasa areo fa mpitsabaka. 12Ankehitriny ireo olo hôtran'ijany die didinay sy hanarinay amin'i Jesôsy Kristy tompo mba hiasa amim-pahangignana sy hihinagna ny hanindreo manokagna13Fa anareo, ry rahalahy, aja mamoy fo amin'ny fanôvana ijay marina. 14Laha misy tsy magneke ny jakantsena amin'itoy taratasy itoy, mariho eo imason'olo ijy ary aja managna fifandresana amin'ajy, ka mety ho megnatra ijy. 15Aja resina ho fahavalo ijy, fa anaro hôtrin'ny rahalahy.16Fa ilay tompon'ny fiadagnana anie hagnome fiadagnana anareo amin'ireo fotôgna sy amin'ireo fomba abiaby. Ho aminareo abiaby anie ny Tompo. 17Itoy no fanôvako veloma, iaho Paoly, tamin'ny tagnako, ijay famantarana amin'ny taratasy abiaby. ijao no soratro. 18Ny fahasoavan'ny Jesôsy Kristy Tompontsena anie ho aminareo abiaby.

1 Timothy

Chapter 1

1Paoly, apôstolin'i Kristy Jesôsy araka ny didin'Andriamanitra mpamonjy antsena sy i Kristy Jesôsy tokintsena, 2hôan'i Timoty, janaka lahy marina ao amin'ny finôna: Fahasoavana, famindram-po ary fedagnana avy amin'Andriamanitra Iaba sy i Kristy Jesôsy Tompontsena.3Araka ny nengaviako mahare hamboarinao laha nienga tao Makedonia iaho, mitoboha ao Efesosy mba hahafahanao mibeko ireo olo saragne tsy hampianatre foto-pampenarana hafa.4 Tsy tokone hitandrigna ireo tantara sy tetiaragna tsy misy fefaràna areo. Ireo die niterake adihevitre fa tsy magnampy ny drafitr'Andriamanitra, ijay amin'ny alalan'ny finôna.5Ary ny tanjognan'ny didy die fitiavana avy amin'ny fo madio, avy amin'ny feon'ny fieritreretana tsara, ary avy amin'ny finôna tsy metsaravelatsihy. 6Ny olo saragne die tsy nahatratra ny tanjogna ary nienga tamin'ireo raha ireo ho agne amin'ny lahateny môlamôla.7 Areo die te ho mpampiana-dalàna, kanefa areo tsy mahajo ijay vorianine sy hijingijignan-dreo.8 Fa antsena die mahafantatra fa ny lalàna die tsara laha misy raike mampiasa an'aje amin'ny ara-dalàna.9Antsena die mahafantatra ijane, fa ny lalàna die tsy namboarina hôn'olo-marina, fa hôn'ny mpandika lalàna sy olo mpigafy, hôn'ireo ratsy fagnahy sy mpagnota, ary hôn'ireo andriamani-diso sy tsy masina. Ijane die namboarina hôn'ireo ijay mamono an'iabane sy iendrine, hôn'ireo mpamono olo,10 hôn'ireo ratsy fitondran-tegna ara-nofo, hôn'ireo sodomita, hôn'ireo mpangalatr'olo mba handevojina, hôn'ireo mpivande, hôn'ireo vavolombelogna tsy marina, ary n'ino n'ino hafa manohitra ny fampenarana mahatoky.11 Io fampenarana io die mifagnaraka amin'ny filajantsaran'ny voninahitr'ilay Andriamanitra vôtahy ijay nankinina tamin'ahe.12Isôrako i Kristy Jesôsy Tompontsena. Nampahery an'ahe Ijy, fa nataone mahatoky iaho, ary nanondro an'ahe hômin'ny fanompôna Ijy. 13Iaho die mpijaka ratsy, mpagnenjike, lelahy mditre. Kanefa nahajo famindram-po iaho satria tamin'ny tsy fahalalana no namboarako ijane noho ny tsy finôna. 14Fa ny fahasoavan'ny Tompontsena no nanarogna tamin'ny finôna sy fitiavana ijay ao amin'i Kristy Jesôsy.15Ijao hafatra ijao die ajo antoke sy mendrike ny fagnikena abiaby, fa i Kristy Jesôsy die avy teto an-tane hamonjy ireo mpagnota. Iaho no ratsy loholoho tamin'ireo.16 Fa noho ijane antone ijane no namindrana fo tamin'ahe, mba amin'ny alalako, ny makadiry loholoho, i Kristy Jesôsy die mety hampiseho ny faharetana abiaby. Nagnano ijane Ijy ho ohatre hôn'ireo ijay magniry hatoky an'Aje hôn'ny fiaignana mandrakijay. 17Ary hôn'ny mpanjakan'ny taogna, tsy mety mate, tsy hita maso, ny Andriamanitra tokagna, anie ny laja sy voninahitra mandrakijay doria. Amena.18Ijao didy ijao no omeko anao, Timoty, janako, araka ireo faminaniana namboarina mahakasika anao talohaka tagne, fa anao die mety hiady ny ady tsara, 19ny fitajognana ny finôna sy ny feon'ny fieritreretana tsara. Tamin'ny fandavana ijane, misy ny nagnano sambo vaky ny finoane. 20Hôtran'i Hymeneo sy Aleksandro, ijay nomeko hôn'i Satana mba hampenarana an-dreo tsy hijaka ratsy.

Chapter 2

1Vôlohany indrindra noho ijany die mpirisike iaho fa ny fangatahana, vavake, fifonana, ary fisôrana die natao hoa an'ny olo abiaby,2 ho an'ny mpanjaka sy ny abiaby eo amin'ny fahefana, mba hafahantsena miaigna am-pedagnana sy miaigna milamigna amin'ny toe-panahy arake an'Andriamanitre sy fahamendrehana aby.3 Ijany die tsara sy ajo ekena eo anatrehan'Andriamanitre mpamonjy antsena. 4Irine mba hovonjena dahôlo ny olo abiaby die ho tonga amin'ny fahalalana ny marina.5Fa raile mandy no Andriamanitre, die raike mandy no mpagnelagnelagna an'Andriamanitre sy ny olo, die ny lelahy Kristy Jesôsy. 6Ijy nagnome ny tegnane ho vidim-panavotana ho an'ny manontolo, hôtra ny fijoroana vavolombelogna amin'ny fotôgna tokone ho ijy. 7Fa amin'ijany tanjona ijany, iaho, ny tegnako, die natao ho mpitory sy ho Apostoly. Mijaka ny marina iaho. Tsy mivandy iaho. Mpampianatre an'ny Jentilisa amin'ny finona sy fahamarianana iaho8Noho ijany, tieko ny lelahy na aija na aija mba hivavake sy hanandra-tanana masina tsy ampahavignirana na amin'ny fiafamaliana. 9Hôtran'ijay koa, tieko ny viavy mba hitafy akanjo mendrika ny tegnane, amin'ny fahamôtignana sy fahafehezan-tegna. Tsy tokone hagnano volo mirongo, na volamena, na voahangy, na fitafy lafo vidy. 10Tieko an-dreo hitafy amin'ijay mety ho an'ny viavy ijay mampiseho toe-panahy araka an'Andriamantre amin'ny alalan'ny asa tsara.11Ny viave die tokone hianatre am-pahanginana die hagneky tanterake. 12Tsy akeko hampianatra ny viavy na hampihatre fahefana amin'ny lelahy, fa hijanona ao agnaty fahanginana.13Fa Adama no noforognina vôlohany, avy eo i Eva. 14Adama die tsy vôfitake, fa ny viavy no vôfitake tanterake tamin'ny fandikan-dalàna. 15Na ijany aja, hovonjena ijy amin'ny alalan'ny fiterahzn-jaza, raha mitohy amin'ny finoana sy fitiavana ary fahamasinana miarake amin'ny fanonon-tena.
Chapter 3

1Matokisa izao zaka izao: "Laha misy olo raike magniry ny ho mpiandraikitre, die magniry asa tsara izy. 2noho izany die ny mpiandraikitra tsy maintsy tsy manan-tsigny. Tsy maintsy manambady viavy tokagna izy. Izy die tokony hahay handanjalanja, hendre, tia filaminana, tia mandray olo, tsy maintsy mahay mampianatra izy. 3tsy tokony ho za-dratsy amin'ny dovay izy, tsy mpila ady, fa koza malemy fagnahy, feno fedanam-po, izy die tsy tokony ho tia vola.4Tokony hitantagna tsara ny tokontragnony izy, die ny zanagny die tokony hagneky anazy ampagnajana tanteraka.5 Fa laha tsy mahay mitantagna ny tokantragnony izy, ahôna no hikarakan'ny fiangonan'Andrimanitra?6Tsy tokony olo vô niova fo izy, mba tsy hibohebône, ka ho lavo amin'ny fagnamelohana hôtran'ny devoly. 7Izy mandy koa die tsy maintsy tsara amin'ireo olo egny ivelany, mba tsy ho lavo agnaty ny fahafaham-baraka sy ny fandriky ny devoly.8Ireo diakona, hôtran'izany mandy koa, die tokony ho mendrika. Areo die tsy tokony hinagna dovay be lôtre na tsy mahalala ara-kanina. 9Tokony hitazogna ny fahamarinan'ny finôna nambara miaraka amin'ny feon'ny fieritreretana madio. 10Izay mandy koa die tokony hosedraina meloha, avy teo die tokony hanompo satria tsy manan-tsigny areo.11Ny viavy mandy koa die tokony mendrika hôtran'izany. Tsy tokony ho mpagnendrikendrika areo. Tokony hahay handanjalanja ary matoky amin'ny raha manontolo. 12Ny Diakona die tokony hanambady viavy tokagna, tsy maintsy mitantagna tsara ny zanagny sy ny tokantragnony areo.13 Fa ireo je manompo tsara die handray ny laza tsara ny fahatokisana lehibe amin'ny finôna ho an'ny tegnandreo ao'amin'i Jesôsy Kristy.14Manoratra an'ito raha ito aminao iaho, ary magnantegna ny ho avy tsy agny aminao iaho. 15Fa laha tara aho, die manoratra mba hahafantaranareo ny fitondran-tegna ao amin'ny tokantragnon'Andriamanitra, izay fengonan'Andriamanitra velogna, ilay vato fehizoro sy ny fonenan'ny fahamarinana.16Tsy azo andanana fa ny fahamarinana nambara izay arakan'Andriamanitra die lehibe: "Izy die niseho tamin'ny nofo, nohamarinin'ny fagnahy, hitan'ny Anjely, nambara teo agnivon'ny firenena, ninôn'izao tontolo izao, die nasondrotre tamim-boninahitra."

Chapter 4

1Ankehitriny mijaka majava tsara ny Fagnahy fa amin'ny fotôgna agny afara agny die hiala amin'ny finôna ny olo saragny ary mitandrema tsara ny amin'ny fagnahy mpamitaka sy ny fampenaran'ny demonia 2amin'ny fihatsarambelatsihin'ny mpivandy. Fa vômarika amin'ny vy mahamay ny feon'ny fieritreretan'dreo.3Ho raràn'dreo ny manambady sy ny mandray ny sakafo ijay noforognin'Andriamanitra ho jaraina miaraka amin'ny fisôrana eo amin'ny ijay mino sy ijay mahafantatra ny marina.4 Fa ny raha manontolo ijay noforognin'Andriamanitra die tsara. Tsisy holavina ny raha niresintsena tamim-pisôrana.5 Fa nohamasinina tamin'ny tenin'Andriamanitra sy ny vavaka ijany.6Laha apetrakareo eo alohan'ny rahalahy io raha io, die ho mpanompo tsaran'i Jesôsy Kristy anareo. Fa nitejan'dreo tamin'ny jakan'ny finôna sy tamin'ny fampenarana tsara ijay narahinareo anareo. Fa lavo ny angano tantarain'ny viavy antitre.7 Fa koja, tariho hagnome voninahitra an'Andriamanitra ny tegnanareo.8 Fa ny vatagna hofagnina die kely mandy ny ajo ampesana anajy, nefa fampiasa amin'ny raha manontolo ny toetra araka an'Andriamanitra. Mitajogna ny fampagnatenana amin'itoy fiaignana ankehitriny itoy sy ny fiaignan-ko aby.9Itoy hafatra itoy die mendri-pitokisana sy mendrika ny fahafenôn'ny fanekena.10 Fa noho ijany die hitologna sy hiasa mafy antsena. Famahatoky ao amin'Andriamanitra velogna antsena, ijay Mpamonjy ny olo manontolo, indrindra ny mino.11Ambarao sy ampianaro io raha io. 12Ôka tsy hisy olo hanao tsinotsino ny fahatanoranao. Fa koja, ôka ho hohatre ho an'ireo ijay mino, amin'ny fijakana, fitondran-tegna, fitiavana, finôna, ary fahadiovana. 13Mandra-pihaviko, tohijo ny famakiana, ny fagnanarana, sy ny fampenarana.14Aja atao tsinotsinona ny fagnomejam-pahasoavana ijay ao aminao, ijay nomena anao tamin'ny alalan'ny faminanena, niaraka tamin'ny fametrahan-tagnan'ny loholona.15 Tandrovy io raha io. Meteja hômin'dreo, mba hiharihary amin'ny olo manontolo ny fandrosônao.16 Tandremo tsara ny tegnanareo sy ny fampenarana. Tohijo io raha io. Fa raha manao hôtran'ijany, die ho vonjenao ny tegnanao sy ireo ijay miteno anao.
Chapter 5

1Aja mijaka ny lahy antitra. Fa koja, anaro hôtrany ray ijy. Anaro hôtran'ny rahalahy ny lelahy tanora.2 Anaro hôtrany reny ny viavy antitre, ary ny viavy tanora hôtran'ny anabavy ao amin'ny fahadiovana manontolo.3Magnajà ny mpitondrategna, ny tena mpitondrategna. 4Fa laha manan-janaka na jafikely ny mpitondrategna raike, die abilao areo aloha hianatra haneho fagnajana ao amin'ny tokatragnone. Ôka areo hamaly babena ny ray aman-drenine, satria ankasitrahan'Andriamanitra ijany.5Fa ny tena mpitondrategna die navela ho raike. Mametraka ny fitokiena amin'Andriamanitra ijy. Mitoetre hatragny amin'ny fangatahana sy vavaka andro aman'aligna. 6Na ijany aja, ny viavy ijay miaigna ho an'ny fahafinaretana die maty, na die bola velogna aja ijy.7Torio ijany raha ijany mba tsy agnanan'dreo tsigny.8 Fa laha misy olo tsy magnome ho an'ny havany akeky, indrindra ho an'ijay ao amin'ny ankohonane, die nandà ny finôna ijy ary ratsy lavitra noho ny tsy mpino.9Ôka hosoratana ho mpitondrategna ny viavy ijay tsy latsaky ny enimpolo taogna, viavy raike ijay vadin'ny lelahy raike. 10Tokony ho fantatra noho ny asa tsara ijy, na nikarakara ny jaja, na nampetragno mandy koa ny mpivahiny, na nanasa ny tongon'ny mpino, na nagnamevagna ny ory, na nanolo-tena tamin'ny asa tsara aby daholo.11Fa ho an'ny mpitondrategna bola tanora koja, die aja magneky ny hanoratra an'dreo ao agnaty lisitre. Fa laha efa milavo-lefogna amin'ny filan'ny nofo hanohitra an'i kristy areo, die te-hanambady.12 Amin'ijany areo die hahajo fagnameloha satria namadika ny fanoloran-tegnany vôlohane. 13Ka die lasa jatra malaigna koa areo. Mandendeha mitety tragno. Tsy hoe lasa malaigna fotsiny mandy koa areo, fa lasa mpifosa sy mpila ady koa. Mijaka raha ijay tsy tokony ho jakain'dreo.14Noho ijany die tieko hanambady ny viavy bola tanora, hiteraka, hikarakara tokantragno, mba tsy ahafahany magnome hirike ny fahavalo hitory anay ho nagnano ratsy.15 Fa ny saragne efa nivily sahady hagnarake an'i Satana.16 Laha misy viavy mino managna mpitondrategna, ôka ijy hagnampy an'dreo, mba tsy hagnavesatra ny fengonana, mba hahafahany magnampy ny tena mpitondrategna marina.17Ôka ny loholona ijay manapaka tsara mba ho resina ho mendri-boninahitra avo roa heny, indrindra ireo ijay miasa miaraka amin'ny teny sy amin'ny fampenarana. 18Fa hoy ny Soratra Masina hoe: "Tsy tokony hagnisy fehiny ny vavan'ny ny aombe anao laha bola mambely voa ijy." ary koa: "Ny mpiasa die mendrika ny karamany."19Aja mandray fempangana manohitra ny loholona raike laha tsy misy vavolombelogna roa na telo.20 Ahitsio eo agnatrehan'ny manontolo ny manota mba hatahotra ny ambiny hafa.21Mandidy anao mafy iaho eo anatrehan'Andriamanitra sy eo agnatrehn'i Kristy Jesôsy ary ny anjely vôfidy, mba hitajomanao io didy io tsy misy fitsaratsarana ary mba tsy hanôvanao n'ino n'ino amin'ny fiandaniena.22 Aja memeke mametra-tagnana amin'ija n'ija. Aja miarake amin'ny fahotan'ny olon-kafa. Tokony hitajogna ny tegnanareo hadio anao.23Tokony tsy hinogna rano koa anao. Fa koja, tokony handray dovay kely anao ho an'ny vavogny sy ny aretigna mateti-piseho. 24Ny fahotan'ny olo saragne die fantatra mibaribary, ary areo die mandeha alohan'ny ao amin'ny fitsarana. Fa ny ota saragne magnaraka avy atoy afara. 25Hôtran'ijany mandy koa, misy asa tsara fantatra mibaribary, nefane ny saragny aja die tsy ajo asitrike.
Chapter 6

1Ôka ireo manontolo ijay ao ambanin'ny joga hôtran'ireo andevo ba hagnano tompony hagneva haja manontolo. Ijy ireo die tokony hambôtra anijany ba tsy hijakana ratsy ny agnaran'Andriamanitra sy ny fampenarana. 2Ireo andevo ijay managna tompo mino die tsy tokony hagnano tsinotsinona anajy ireo satria mpirahalahy aminaje. Fa koja, ijy ireo die tokony hanompo hatragnihatragny. Fa ireo tompo ijay nampena tamin'ny asandreo die mpino sady tiavina. Ampenaro ary ilajao ireo raha ireo.3Hevero fa ny olo die mampianatra amin'ny fomba hafa ary tsy magneky ny fanorentsena aram-pinôna, ijay, jakan'i Jesôsy Kristy Tompontsena. Hevero fa ijy ireo die tsy magneky ny fampenarana ijay mitondra agny amin'ny toetra araka an'Andriamanitra. 4Ijany olo ijany die mirehareha ary tsy nahafantatra na ino na ino. Fa koja, môlan'ireo adihevitra sy reo fandrisen-dahatra mahakasika ireo jaka. Io jaka io die miteraka felognana, fanevatevana, ahiahy ratsy, 5ary ny fifandognana eo amin'ireo olo maloto fisegnana. Miala amin'ny marina ijy ireo. Misaigna ijy fa ny toetra araka an'Andriamanitra no fomba hievena ho mpanan-karena.[Fagnamarihana: Ny fandikana taloha saragny die magnampy hoe: ''Miala amin'ny raha Hôtran'ijany.''Fa ny fandikana taloha tsara indrindra die tsy magnampy anijany.]6Ary ny toetra araka an'Andriamanitra miaraka amin'ny fahafaham-po die tombony lehibe. 7Satria antsena die tsy nitondra na ino ino amin'ijao tontolo ijao. Tsy nahavita nitondra na ino na ino antsena. 8Fa koja, ôka antsena ho afam-po amin'ny hanina sy ny fitafena.9Ary ireo te ho lasa mpanakarena die latsaka ao agnatin'ny fakapanahy, ao agnatin'ny fandrika. Latsaka tao agnatin'ny hadalana sy ireo filàna mampidi-doja rahabe ijy ireo, ary ihiany koa ireo hafa mandetika ireo olo ao amin'ny faharavana sy ny fandringanana. 10Satria fototr'ireo karajan-dratsy rehetra ny fitiavam-bola. Ny olo saragny ijay magniry anijany die efa vôvily niala tamin'ny finôna ary nanindrogna ny tegnan'ijy ireo tamin'ny fahorena lehibe.11Fa anao, ry lelahin'Andriamanitra, milefasa an'ireo raha ireo. Miejaha mandremby ny fahamarinana, ny toetra arak'Andriamanitra, ny fahatokisana, ny fitiavana, ny faharetana ary ny fahatsaram-pagnahy. 12Media ny ady tsaran'ny finôna. Tano ny fiegnana mandrakijay fa hômin'ijany ny nangihana anao. Ijany die mahakasika ny nijorônao vavolombelogna ny amin'ijay inôna teo agnatrehan'ireo vavolombelogna rahabe tamin'ijay tsara.13Aho die magnome anao ijany didy ijany eto alohan'Andriamanitra, ijay nahatonga ny raha mantolo ho velogna, ary eo agnatrehan'i Kristy Jesôsy, ijay nijaka ny marina teo agnatrehan'i Pontio Pilato: 14Atsarejo tsara ny didy, tsy manan-tsigny, mandram-piboahan'ny Tompotsena Jesôsy Kristy.15Andriamanitra die maharegny ny fisehôny amin'ny fotôgna tokony ho ijy. Andriamanitra, ilay raike jay nitahina, ilay hery tokagna, ilay mpajanka ijay manjaka, ary ilay Tompoijay manapaka. 16Ijy raika mandy no managna ny tsy fahafatesana ary mitoboka eo amin'ny hajavana tsy ajo hagnantognana. Tsy misy olombelogna mahita Anajy na afaka mijaha Anajy. Hônajy anie ny voninahitra sy ny hery mandrakijay. Amena.17Lajay ny mpanakarena ami'ijao tontolo ijao ba tsy hirehareha, sy magnantegna ny harena, ijay tsy ajo antoka. Fa koja, tokony hagnantegna an'Andriamanitra ijy ireo. Magnome antsena ny harena marina manontolo Ijy ba hifalentsena. 18Lajao areo ba hagnano ny tsara, ba hanankarena amin'ny asa tsara, ba halala-tagnana, ary vognona hijara. 19Amin'ijany fomba ijany, die hatsarejin'ijy ireo ny fototra tsara hôn'ny tegnany amin'ijay ho avy, ka hitanany ny tena fiegnana.20Ry Timoty, arovy ijay namena anao. Elao ny resaka môla sy ny fandresen-dahatra mifanohitra mahakasika ny fientsôna diso ny amin'ijay amboarina hoe fahalalana. 21Ny olo saragny die milaja ijany raha ijany ka die tsy nahatadidy ny finôny ijy ireo. Hôminareo anie ny fahasoavana.

2 Timothy

Chapter 1

1Pôly, apostôlin'i Kristy Jesosy tamin'ny alalan'ny sitrapon'Andriamanitra, araka ny fampananten'ny fiaignana ijay ao amin'i Kristy Jesôsy, 2an'i Timoty, janaka tiana: Fahasoavana, fiantrana, ary fiadanagna avy amin'Andriamanitra ilay Iaba sy Kristy Jesosy Tompontsena.3Misaotra an'Andriamanitra Iaho, ijay tompoiko avy amin'ireo rajambeko, miaraka amin'ny feon'ny fieritreretana madio, hôtrin'ny hahatsiarovako anao matetika amin'ny fivavahako andro aman'aligna. Hôtrin'ny4 hahatsiarovako ireo ranomasonao, magniry mafy ny hahita anao iaho, ka mety ho feno hafaliana iaho. 5Nampahatsiahivina tamin'ahy ny finoanao marina, ijay niaigna vôlohany tao amin'ny endribenao Loisa sy ny reninao Eonisa, ary resy lahatre iaho fa miaigna ao aminao mandy koa ijany.6Ijany no antony ampahatsiahivako anao mba hampiasanao indraike ny fanomejan'Andriamanitra ao aminao amin'ny alalan'ny fametrahako tagnana. 7Fa Andriamanitra tsy nagnome fagnahin'ny tahotre antsena, fa ny hery sy fitiavana ary fifehejan-tegna.8Ka aja megnatre amin'ny fijoroana vavolombelogna momban'ny Tompontsena, na amin'ahy, Pôly, ilay gadrany. Fa koja, mijara amin'ny fahoriana ny filajantsara araka ny herin'Andriamanitra. 9Fa Andriamanitra no mamonjy antsena sy nangaike antsena tamin'ny haike masina. Nanao ijany Ijy, tsy noho ireo asantsena, fa nohon'ny drafitra ijay efa nataony sy ny fahasoavany. Na die mbola tsy niandoha aja ny fotôgna die efa nagnome antsena iregne raha iregne tao amin'ny Kristy Jesôsy Ijy. 10Fa amin'ijao ny famonjen'Andriamanitra die nambara tamin'ny alalan'ny fisehoan'i Kristy Jesôsy Mpagnavotra antsena. Kristy ijay nagnafogna ny fahafatesana ary nitondra fiaignana ijay tsy ho tapitre mandrakijay mba hagnajava amin'ny alalan'ny filajantsara. 11Noho ijany, die vôtondro ho mpitory teny iaho, ho apostoly, ary ho mpampianatre. [Fagnamarihana: Ireo dikan-teny taloha saragne die magnampy hoe: ''Ho an'ny Jentilisa.'']12Fa noho ijany antony ijany die mijaly amin'iregne raha iregne mandy koa iaho. Fa tsy megnatre iaho, satria fantatro Ijy ilay ninoako. Resy lahatre iaho fa afake mitajogna ijay efa nankiniko tamin'Ajy Ijy mandra-pahatongan'ijany andro ijany. 13Tajomy ny fagnoharagna momba ireo hafatry ny finoana sy fitiavana ijay ao amin'i Kristy Jesôsy. 14Ny raha tsara ijay nataon'Andriamanitra taminao, ambeno amin'ny alalan'ny Fanahy Masina ijany, ijay miaigna ao amintsena15Fantatrareo ijany, fa ijay abiaby nipetrake tagny Azia die nivadike tamin'ahy. Ao amin'io fikambanana io ireo Fizelio sy ireo Hermozena. 16Enga anie ny Tompo hagnome famindram-po amin'ny tokantranon'i Onesiforo, satria namelombelogna an'ahy matetike ijy ary tsy megnatre tamin'ny gadrako. 17Fa koja, laha tagny Roma ijy, die nandrembe an'ahy tokôtre, ka hitany iaho. 18Ny Tompo anie hampiseho an'ajy ka hahitany famindram-po avy amin'ajy amin'ijany andro ijany. Ireo fomba abiaby nagnampiany an'ahy tao Efesôsy, die fantatrareo tsara.

Chapter 2

1Noho ijany anao, ry janako, mahareja ao amin'ny fahasoavana ijay ao amin'i Jesôsy Kristy. 2Ireo raha niregnesinareo avy aminahy teo agnatrehan'ny vavolombelogna rahabe, die ankino amin'ny olo mahatoky ijay afaka hampianatra ny sasagny koa.3Miereta java-sarotra miaraka aminahy, hôtran'ny miaramila tsaran'i Jesôsy Kristy. 4Tsy misy miaramila manompo laha bola vôfandrik'ireo raharahan'ijao fiegnana ijao, ba hahafahany mampifaly ny lehibeny. 5Ary, laha misy olo mifaninana hôtran'ny atleta, die tsy mandray ny satro-boninahitra ijy laha tsy mifaninana amin'ny alalan'ireo fitsipika.6Ilaina ny fandresanan'ilay mpamboly ijay miasa mafy ny anjara vokatra vôlohany. 7Saigno ny mahakasika ijay lajaiko, fa ny Tompo no hagnome anareo ny fahatakarana amin'ny raha manontolony.8Tsarovy Jesôsy Kristy, avy amin'ny taranak'i Davida, ijay natsangagna tamin'ireo maty. Ijany die araky ny hafatry ny filajantsarako, 9ijay mampijaly ahy ny amin'ny famatorana hôtran'ny mpamono olo. Fa ny jakan'Andriamanitra die tsy vôfehy.10 Noho ijany heretako ny raha manontolo hôn'ireo vôfidy, ba ho afaka handray ny fagnavotana ijay ao amin'i Kristy Jesôsy mandy koa ijy ireo, miaraka amin'ny voninahitra mandrakijay.11Itoy jaka itoy die magneva hitokisana: ''Laha maty niaraka taminajy antsena, die ho velogna hiaraka aminajy mandy koa. 12Laha miaritra antsena, die hanjaka hiaraka aminajy mandy koa. Laha mandà Anajy antsena, die handà antsena mandy koa Ijy. 13Laha tsy mahatoky antsena, die hatoky fahijay Ijy, satria afaka mandà ny tegnany Ijy.''14Ampahatsiahivo anajy ireo hatragny ireo raha ireo. Ampitandremo eo agnatrehan'Andriamanitra ijy ireo ba tsy hifamaly mahakasika ireo jaka. Noho io die tsy misy raha ilaina. Noho io die misy fahasimbana ho an'ireo ijay miteno. [Fagnamarihana: ny dika-teny saragny die mivaky hoe: ''Ampitandremo eo agnatrehan'Andriamanitra areo] 15Ameo ny tsara avy aminao ba hagnomejana tegna hôn'Andriamanitra tahaka ilay ankasitrahina, mpiasa ijay tsy managna antony hahamegnarana, ijay mampianatra ny jakan'ny fahamarinana amin'ny tokony hônajy.16Elao ny jaka fagnatevatevana, ijay mitondra tsikelikely agny amin'ny faharatsem-pagnahy.17 Ny vorian'ijy ireo die hiparitaka hôtran'ny bay mandôke. Eo agnivon'ireo Hymeneo sy Fileto. 18Ijy ireo no lelahy tsy ba nahalala ny marina. Mijaka ijy ireo fa ny fitsanganana amin'ny maty die efa nitranga. Simbain'ijy ireo ny finôn'ny sasagny.19Na die ijany aja, ny fototra tsara lentike naorign'Andriamanitra die mijoro, Managna an'itoy soratra itoy: ''Ny Tompo die mahalala an'ireo ijay Anajy'' ary ''Ijay manontolo ijay manognona ny agnaran'ny Tompo die tsy mentsy miala amin'ny tsy fahamarinana.'' 20Ao amin'ny tragnon'ny mpanakarena, die tsy ireo fitoeran'ny volamena sy volafotsy mandy ny ao. Misy mandy koa ireo fitoeran'ny hajo sy tanimanga. Ny sasagny amin'ijy ireo die ho ampesaina amim-boninahitra, ary ny sasagny hômin'ny fagnalam-baraka. 21Laha misy olo magnadio ny tegnany ho afaka ami'ny fahafaham-baraka, die fitoerana manan-kaja ijy. Ijy die vôtokagna, ilain'ny Tompony, ary vôomagna amin'ny asa tsara manontolo.22Milefasa an'ireo filàn'ny tanora. Mandrobeja fahamarinana, finôna, fitiavana, ary fihavanana miaraka amin'ireo ijay nangaika an'ny Tompo amin'ny fo mafio. 23Fa koja mandàva ny fagnotanena adala sy tsy misy fotony. Fantatrareo fa miteraka ady ireo.24Ny mpanompon'ny Tompo die tsy tokony mifampizizo. Fa koja tsy mentsy malemy fagnahy amin'ny manontolo ijy, mahay mampianatra, ary maharitra. 25Tsy mentsy ao amin'ny fahalemem-pagnahy no ampenarany ireo ijay manohitra anajy. Fa angaha Andriamanitra mety hagnome anajy ireo fibebahana hôn'ny fahalalana ny marina. 26Mety hody indraike koa ny fisegnandreo ary handao ny fandriky ny devoly, laha efa avy nisamboriny tamin'ny sitrapony.

Chapter 3

1Fa fantaro ijao: amin'ny andro farane die hisy ny fotôn-tsarotre. 2Satria ny olo ho tia tégna, tia vola, ho mpirehareha, ho mpandoka tegna, ho mpanevateva an'Andriamanitra, tsy manoa ray aman-dreny, tsy misaotre, ary tsy masina. 3Tsy hanam-pitiavana ny fianakavene areo, mpanohitre, ho mpagnendrikendrike, tsy hahafehy tegna, hahery setra, tsy ho tia ny tsara. 4Ho mpamadika areo, tsy misy eritreritre, mpagnambony tegna, tia fahafinaretana mihôtra noho ireo tia an'Andrimanitra.5Hanagna ny toetra hôtran'Andriamanitra ijy io, kanefa die handà ny herine. Mengà amin'ny olo io. 6Satria ny saragny tamin'dreo die ny lelahy ijay miditre ao an-tokantrano ary mambabo ny viavy adala. Io ny viavy ijay tsy afaka amin'ny fahotana sy vôtarike amin'ny filàna samihafa. 7Io viavy io die mianatra fehijay, kanefa tsy ho tonga amin'ny fahafantarana ny fahamarinana mihintsy.8Hôtran'ijany mandy koa i Jana sy i Jambra nitsangagna nanohitre an'i Mosesy. Tamin'ijane die nitsangagna mandy koa ny mpampianatra sandoke io hanohitre ny marina. Areo die lelahy simba fisaignana, tsy nankasitrahana tamin'ny finôna.9 Fa tsy handroso lavitra ijy io. Satria ny hadalany die ho hita majava amin'ny olo manontolo, hôtranen'ny lelahy io.10Fa laha anareo koja, die efa nagnaraka ny fampenarako, ny fitondrana, ny fikasana, ny finôna, ny faharetam-po, ny fitiavana, ny faharetana,11 ny fagnenjehena, ny fijalena, ary ijay nitranga taminahe tagny Antiokia, tagny Ikonioma ary tagny Lystra. Niaritre ny fagnenjehana iaho. Avy amin'io rehetra io, die namonjy anahy ny Tompo.12 Ijay rehetra te-hiaigna araka ny fomban'Andriamanitra ao amin'i Kristy Jesôsy die ho enjehina.13 Ny olon-dratsy sy ny mpisandoka die ho agny amin'ny ratsy kokoa hatragny. Areo die hitarika ny olon-kafa ho agny amin'ny lalan-diso. Ary areo tegnany die ho vôtarike amin'ijane.14Fa laha anareo koja, mitoera ao amin'ny javatra ijay efa nenaranareo sy ijay efa ninônareo mafy hoe avy amin'ija no efa nenaranareo.15 Fantatrareo fa hatramin'ny fahajajana die efa nahalala ny asa soratra masina anareo. Areo io die hahavita hampahendry anareo ho amin'ny famonjena amin'ny alalan'ny finôna an'i Jesôsy kristy.16Ny Soratra Masina rehetre die avy amin'ny tsindrimandrin'Andriamanitra. Ijany die tombone ho an'ny fotôm-pampenarana, ho an'ny fanondrôna ny diso, ho an'ny fanitsiena, ary ho an'ny fampofagnana amin'ny fahamarinana. 17Ijany die mba hahatonga ny lelahin'Andriamanitra hahay tsara, sy ho voaomagna tanteraka amin'ny asa tsara rehetre.

Chapter 4

1Iaho die magnome itiky didy hentitre itiky eo agnatrehan'Andriamanitra sy Jesôsy Kristy, ijay hitsara ny velogna sy ny mate, ary noho ny fisehone sy ny fanjakane: 2Mitoria ny teny. Mivognonà na amin'ny fotôgna na tsy amin'ny fotôgna. Magnanàra, mijaka mahare, mandrisiha, amim-paharetana sy ny fampenarana abiaby.3Satria ho avy ny fotôgna ijay tsy hatantejan'olo ny feon'ny fampenarana. Fa koja, areo die hisafidy mpampianatre hôn'aje araka ireo fagnirene manokagna. Ireo die hagnitikitike ny sofignan-dreo. 4Hangala ny fitenoan-dreo amin'ny fahamarignana ireo, ary hivily ho agne amin'ireo angano. 5Kanefa anareo, eritrereto tsara ny raha-abiaby. Ereto ny raha-sarotre; amboaro ny asan'ny evanjelista; tontosay ny fanompônareo.6Satria efa hatolotre sahady iaho. Efa avy ny fotôgna hiengako. 7Iaho die efa nahavita ny ady tsara; efa nahavita ny hajakajaka iaho; efa nitanako ny finôna.8 Ny satro-boninahitry ny fahanarignana die efa vôtokagna hôn'ahe, ijay homen'ny Tompo, ilay mpitasara marina, hôn'ahe amin'ijane andro ijane, ary tsy hôn'ahe rerike mandy, fa mandy koa hôn'ireo abiaby ijay efa nitia ny fiboahane.9Omeo ijay tsara abiaby avy aminao mba hiengana amin'ahe atiky malaky. 10Satria i Demasy efa nandao an'ahe. Tiane ijao tontolo ijao ary efa nandeha tagne Tesalonika ijy. Kreska die negnagne Galatia, ary Titosy negnagne Dalmatia.11Lioka rerike mandy no miaraka amin'ahe. Alay i Marka ary indôsy ijy miaraka aminao satria ilaiko amin'ny asa ijy. 12Tykiko die nalefako tagne Efesosy. 13Ilay lamba ijay nabelako tao Troasy miaraka amin'ny Karpo, indôsy igne laha avy anao, ary ireo boky, indrindra ireo mifogno hoditre.14Aleksandro ilay mpanefe varahigna die nampiharihary asa ratsy rahabe tamin'ahe. Ny Tompo die hamaly an'aje araka ireo asane.15 Anao mandy koa die tokone hitandrigna ny tegnanaoamin'aje, satria ijy die manohitra mahare ireo jakanay. 16Tamin'ny ferovan-tegnako vôlohane, tsy nisy nanohagna an'ahe. Nefa koja, ny olo abiaby nandao an'ahe. Ôka mba tsy ho vôheloke amin'ijane areo.17Fa ny Tompo die nitsangagna teo akekiko ary nagnahery an'ahe mba, amin'ny alalako, ny fagnambarana die afake tontosaina tanterake, ary mba afake haharegny ireo Jentilisa abiaby. Iaho die avotre tamin'ny vavan'ny liogna. 18Ny Tompo die hagnavotre an'ahe amin'ny asa ratsy abiaby ary hamonjy an'ahe amin'ny fanjakane agne an-dagnitre. Hôn'ajy anie ny voninahitra mandrakijay doria. Amena.19Atôvy veloma i Prisila, i Akoila, ary ireo havan'i Onesiforosy. 20Erasto die nitoboke tao Korinto, fa i Trofimo die nilôjako fa narary ao Mileto. 21Omeo ijay tsara indrindra avy aminao mba heviana alohakan'ny rirignina. Magnano veloma anao i Eolobolo, ary Poda mandy koa, Lino, Klaodio, ary ireo rahalahy abiaby. 22Hiaraka amin'ny fagnahinao anie ny Tompo. Hôminareo anie ny fahasoavana.

Titus

Chapter 1

1Paoly, mpanompon'Andriamanitra ary Apositolin'i Jesôsy Kristy, hagnamafy ny finôn'ny olom-boafidin'Andriamanitra sy ny fahalalana ny marina ijay magnaraka ny toe-pagnahy araka an'Andriamanitra, 2amin'ny fahatokisana ny fiaignana mandrakijay, ijay nampagnantenain'Andriamanitra, ilay tsy mivandy,hatramin'ny fahaela. 3Tamin'ny fotôgna voatondro, dia nabokany ny jakany tamin'ny hafatre ijay natokisane ho ampitaiko. Nataoko ijany araka ny didin'Andriamanitra ilay Mpamonjy antsena.4Ho an'i Titosy, janaka marina ao amin'ny finôna hiombonantsena. Fahasoavana sy fiadanana avy amin'Andriamanitra ilay Ray sy Jesôsy Kristy Mpamonjy antsena. 5Noho ijao antony ijao no namelako anao tagny Kreta, die ny mba handamignanao ireo raha mbola tsy vita sy hanendry loholona isaky ny tanàna araka ijay efa nandidiako anao.6Ny loholona die tsy tokony hanan-tsiny mihintsy, vadin'ny viavy raike, managna janake mino tsy vômpanga ho magnara-po amin'ny ratsy na maditra. 7Ilain'ny mpitandrina, amin'ny maha-mpagnano ny asan'Andriamanitra, ny tsy fanagnan-tsiny. Tsy tokony hahare fijaka na mirehareha. Tsy tokony ho mora vignitre, tsy mpimamo, tsy liagnan'ady, ary tsy olona tia vola.8Fa koja, tokony hampiantrano ijy, sakaijan'ijay tsara. Tsy maintsy mahonon-tegna, marina, masina, ary mahafehy tegna.9 Tokony mitagna mafy ny hafatre ijay efa nampianarina ijy, mba ahafahany mampahere ireo hafa amin'ny fampianarana tsara ary hagnitsy ireo ijay manohitra an'ajy.10Fa rahabe ny olo mpikomy, indrindra ireo ijay vôfora. Tsy misy lanjane ny jakan-dreo. Mandiso fagnantenana sy mitarike ny olo agne amin'ny lalan-diso areo. 11Ilaina ny manakana an'aje iregne. Mampianatre ny tsy tokony hampianarina areo mba hajahoana harena maloto ary mandrava fianakaviana abiaby.12Nisy raike tamin-dreo, ijay lelahy hendren-dreo, nilaja hoe:" Ny Kretana die mpivandy fehijay, ratsy ary biby mandoja, kamo be tenda." 13Marina ijany vôlaja ijany, noho ijany anaro mafy areo mba hatanjaka amin'ny finôna.14Aja miraharaha ireo anganon'ny Jiosy na ireo didin'ny olo ijay niala tamin'ny fahamarinana.15Ho an'ireo ijay madio, die madio ny raha abiaby. Fa ho an'ireo ijay vôloto sy tsy mino koja, die tsy misy madio n' ino n' ino. Noho ny saigna sy ny fieritreretane efa vôloto. 16Magneke fa mahalala an'Andriamanitra areo, kanefa mandà an'Aje amin'ireo asane. Mpankahala sy mandika lalàna areo. Tsy mahavita asa tsara n' ino n'ino.

Chapter 2

1Fa anao koja, milajà ijay mifagnaraka amin'ny fampenarana marina. 2Ireo lelahy efa nqhajo taogna die tsy mentsy mahay mitondra tegna, môntina, mahonon-tegna, matanjaka amin'ny finôna, amin'ny fitiavana, ary amin'ny faharetana.3Toy ijany ireo viavy efa nahajo taogna die tokony hampiseho fehijay ny tegnan-dreo ho tsara fitondran-tegna, fa tsy mpifosa. Tsy tokony ho andivojin'ny divay be areo. Tokony hampianatra Ijay tsara areo 4ba hampiofagnana ireo viavy tanora ho tena tia ny vady aman-janagny manokagna. 5Tokony hampianatra an-dreo hahonon-tegna, hadio, hikarakara toka-tragno tsara, ary hankatò ny vadiny areo. Tokony hanao ijany javatra rehetra ijany areo ba tsy ho vôheson'ny tenin'Andriamanitre.6Hôtran'ijane, ampaherejo ireo lelahy bola tanora ba hahonon-tegna. 7Amin'ny fomba rehetra die asehoy ny tegnanao ho môdelin'ireo asa tsara; ary laha efa mampianatra anao, die manoroa fahitsena sy fahamendrehana. 8Milajà hatra salama sy tsy misy tsigny, ba ho megnatra ijay manohitra na ija na ija, satria tsy managna na ino na ino ratsy ho lajaina momba antsena ijy.9Ireo mpanompo die tokony hankatò ny tompony amin'ny java-drehetra. Hanao ijay sitrapony fa tsy hifamaly amin'aje. 10Tsy tokony hangalangalatra areo. Fa koja, tokony hampiseho ny finôna tsara rehetra areo, ba hampahamendrika ny fampenarantsena momba an'Andriamanitra mpamonjy antsena amin'ny lafiny rehetra.11Fa efa hita tamin'ny olon-drehetra ny fahasoavan'Andriamanitre. 12Mampianatra antsena handà ny toetra tsy araka an'Andriamanitra atsena hiaigna am-pionognana, am-pahamarignana, ary araka ny lalan'Andriamanitra amin'ijao vanim-potôgna ijao ijany 13eo am-pendrasantsena fatratra ijay handresantsena ny fagnantenana mahafinaritre, ny fisehon'ny voninahitry ny Andriamanintsena lehibe sy Mpamonjy Jesôsy Kristy.14Jesôsy die nanolotra ny tegnany ho antsena ba hagnavotra antsena hiala amin'ny tsy fagnarahan-dalàna rehetra sy hagnadino, ho an'ny tegnane, olo raika manokagna ijay tena majoto hagnano asa tsara.15Lajay ary andôsy ampaherejina ireo raha ireo. Magnomeja fagnitsena amin'ny fahefana rehetra. Aja avela hisy olo hanao tsinotsino anao.
Chapter 3

1Ampahirejo arei hagneke ireo mpanapake sy ireo manam-pahefana, hankato an-dreo, ho vognona amin'ny asa tsara abiaby.2 Ampitadidio areo tsy hagneso n'ija n'ija, hienga amin'ny adihevitre, hagnavela ny hafa hagnaraka ny lalagne, ary hampiseho fagnetren-tegna amin'olo abiaby.3Fa talohaka teo ny tegnantsena die nanan-tsaigna ary tsy nankatò. Vôtarike tamin'ny làlan-diso antsena ary nandevojin'ny filàna sy ny fafinaretana sambihafa. Niaigna tamin'ny faharatsena sy ny felognana antsena. Nankahalaina ahay ary nifankahala antsena.4Fa laha nipositre ny hatsaram-pagnahin'Andriamanitre mpamonjy antsena sy ny fitiavane ny olombelogna,5 die tsy tamin'ny asa fahamarignana namboarintsena ijane, fa tamin'ny famindram-pone no namonjene antsena. Ijy die namonjy antsena tamin'ny alalan'ny fagnadiovan'ny fahateraham-baovao sy ny fagnavôjana tamin'ny Fanahy Masina.6Andriamanitra nandatsaka rahabe tamintsena ny Fanahy Masina tamin'ny alalan'i Jesôsy Kristy Mpamonjy antsena. 7Namboarine ijane mba, ho vômarina tamin'ny fahasoavana, die hanjary mpandova antsena amin'ny alalan'ny fahatokiana ny fiaignana mandrakijay.8Ijane hafatra ijane die mendri-pitokiana. Tiako hivoria momba ijane raha ijane am-pahatokiana anareo, mba ireo ijay matoky an'Andriamabitra die hikasa hagnano ireo asa tsara ijay efa navelane talohakan-dreo teo. Ijane raha ijane die sady tsara no mahasoa hôn'olo abiaby.9Fa engao ny adihevitre môla sy ny tantaram-pirajagnana ary ny fifamaliena sy ny ady momban'ny lalàna. Ireo raha ireo die java-pôgna sy tsy mahasoa. 10Mandà ijay olo abiaby miteraka fisarasarahana eo agnivonareo, afaran'ny fampitandremana indraike na indroe, 11ary fantaro fa ny olo hôtran'ijane die nienga tamin'ny làlagna marina ary magnota sy magnameloka ny tegnane.12Laha nagnirake an'i Artema na Tykiko agne aminareo iaho, die malakisa ary mandihana agne amin'ahe agny Nikopolia, ijay nanapahako hevitre andaniena ny rirignina.13 Malakisa ary alefaso Zena, ilay mpahay lalàna, sy Apolosy, mba tsy hisy raha-hanahiragna areo.14Ny olontsena die tsy mentsy mianatra magnano asa tsara ijay ilaina meke mba tsy ahatonga an-dreo tsy hamokatre.15Ireo abiaby miaraka amin'ahe die magnano veloma anareo. Manôva veloma ireo ijay tia antsena amin'ny finôna. Hôminareo abiaby anie ny fahasoavana.

Philemon

Chapter 1

1Paoly, vôgadra an'i Jesôsy Kristy, sy ny rahalahy Timoty hôn'i Filemona, akama malalanay sy mpiara-miasa aminay, 2ary hôn'i Apia anakavinay, sy Arkipo miaramila akamanay, ary hôn'ny fengonana ijay mivorovoro ao an-dragnonao. 3Hôminareo anie ny fahasoavana sy fedagnana avy amin'Andriamanitra Iabantsena sy Jesôsy Kristy Tompo.4Misaotre ny Andriamanitro hatragne iaho. 5Manognona anao iaho amin'ny fivavahako. Efa naharegny ny amin'ny fitiavana sy ny finôna ijay anagnanao ao amin'ny Jesôsy Tompo ary hôn'ireo mpino abiaby iaho. 6Mivavaka iaho mba hahatonga ny fikambagnana amin'ny finoanao hahomby amin'ny fahalalana ny raha tsara abiaby ijay eo amintsena ao amin'ny Kristy.7 Fa nanagna fifaliana sy fionognana makadiry iaho nohon'ny fitiavanao, satria ny fon'ireo mpino die nivelombelomina tamin'ny alalanao, ry rahalahy.8Noho ijane, na die managna fasahiana abiaby ao amin'ny Kristy aja iaho handidy anao mba hagnano ijay tokony hamboarinao, 9nefa nohon'ny fitiavana, die mangaika anao koja iaho - iaho, Paoly, lelahy mavojo, ary amin'ijao fotôgna ijao gadra hôn'i Jesôsy Kristy.10Mangataka anao iaho ny amin'ny janako Onesimosy, ijay nafaitrako tamin'ny fehiko.11 Fa ijy die tsy nahasoa anao talohaka teo, fa amin'ijao fotôgna ijao ijy die mahasoa anao sy iaho. 12Nampengaiko nipody ho agne aminao ijy, ijy ilay tiako tokôtre. 13Magniry ny hitagna an'ajy hiaraka amin'ahy iaho, mba hafahane manompo an'ahy hônao, laha mbola vôfehy nohon'ny filajantsara iaho.14Nefa tsy te hagnano n'ino n'ino laha tsy misy ny fagnikenao iaho. Tsy tiako ho an-katerena ny asa soa amboarinao fa an-sitrapo. 15Angamba noho ijane no nisarahane taminao nandritra ny fotôgna fohike, mba hanagnanao an'ajy mandrakijay. 16Tsy ho andevo koa ijy, fa tsara mihôtra noho ny andevo, die rahalahy malala. Ijy no malala indrindra amin'ahe, sady mihôtra lavitre hônao, na ao amin'ny nofo na ao amin'ny Tompo.17Ka laha managna an'ahe ho mpiara-miasa anao, die reso hôtran'ahe ijy. 18Laha magnano ny tsy mety ijy na mitrosa n'ino n'ino aminao, die atôvy hôn'ahe ijane. Iaho, Paoly, manoratra ijao amin'ny tagnako: 19Iaho no hagnefa aminao. Tsy mijaka aminao hoe mitrosa ny tegnanao amin'ahe anao. 20Ieka, ry rahalahy, atôvy mahajo tombone ao amin'ny Tompo iaho; omeo fitsaharana ny foko ao amin'i Kristy.21Ny toky mahakasika ny fankatoavanao, no soratako hônao. Fantako fa hagnano mihôtra noho ijay angatahiko anao. 22Mandritra Ijany fotôgna ijane mandy, omagno hôn'ahe ny efitre fandresam-bahiny, fa magnantegna iaho fa amin'ny alalan'ny vavakanao die hipody aminao indraike iaho.23Epafra, akamako mpiara-migadra ao amin'i Jesôsy Kristy, magnano veloma anao. 24Hôtran'ijay koa i Marka, Aristarko, Demasy ary Lioka, mpiara-miasa amin'ahe. 25Hômin'ny fagnahinareo anie ny fahasoavan'i Jesôsy Kristy Tompontsena. Amena.

Hebrews

Chapter 1

1Taloha elabe Andriamanitra die nivoria tamin'ny rajambetsena tamin'ny alalan'ireo mpaminagny tamin'ny fotôgna maro sy fomba maro. 2Fa aminijao andro farany jao, die nivoria tamintsena tamin'ny alalan'ny janagny lahy Ijy, ijay nitindreny ho mpandova ny raha manontolo. Tamin'ny alalany mandy koa no niharen'Andriamanitra anijao tontolo ijao. 3Ijy no famirampiratan'ny voninahitr'Andriamanitra, ilay endriky ny tagnany tokôtre. Na ny raha manontolo aja die tanane hiaraka amin'ny alalan'ny herin'ny tegnany. Tafaran'ny nandiovany ireo fahotana, die nipetraka teo ambanin'ny tagnan'ankavanan'ny Lehibe agny amin'ny avo Ijy.4Lasa ambone hôtran'ireo anjely Ijy, satria ny agnarana nilovainy die tsara mihôtra ny agnaran'ijy ireo. 5Fa ija tamin'ireo anjely no ba nilajan' Andriamanitra hoe: "Janako anao, avy ho iabanao Aho niany" Ary ndraika hoe: ''Ho Ray hônajy Aho, ary ijy ho janaka hônahe''?6Ary koa, laha efa nitondra ny lahimatoa telo amin'ijao tontolo ijao Andriamanitra, die nijaka Ijy hoe: ''Ireo anjelin'Andriamanitra manontolo die tsy mentsy midera Anaje.'' 7Makasika ireo anjely die nijaka Ijy hoe: ''Ijy ilay Ray nagnano ireo anjely ho fagnahy, ary ireo mpanompokony nambooariny ho lelan'afo.''8Fa makasika ny Janaka die hoy Ijy hoe: ''Ny déjà fiandriagnanao, ry Andriamanitra, die mandrakijay ary ho doria. Ny tehignin'ny fanjakanao die tehignin'ny fitsara.9 Nitia ny fahamarinana anao ary nankahala ny fandikan-dalàna. Noho ijany Andriamanitra, Andriamanitrao, die nagnosotra anao tamin'ny menaka ny hafaliena mihôtra noho ireo mpiara-dia aminao.''10Tagny ampedohana, ary Tompo, Anao no namorogna ny fototry ny tany. Ireo lagnitra die asan'ny tagnanao. 11Ho levogna ijy ireo, fa Anao hanohy. Ho rota Tanaka ny tapa-damba ijy ireo. 12Hamoritra anajy ireo hôtran'ny fitafena anao, ary hisoloina tahaka ny poti-damba ijy ireo. Fa anao die hôtran'ijany, ary ny taognanao die tsy manam-paharetana.''13Fa ija tamin'ireo anjely no nijakan'Andriamanitra tami'ny fotôgna manontolo hoe: "Mitoboha eo amin'ny tagnana ankavanako mandrapanôvako ireo fahavalonao ho seja hôn'ny hongotrao''? 14Moa ve ireo anjely manontolo tsy fagnahy manompo, sy nalefa hiambigna ireo ijay handova ny famonjena?
Chapter 2Noho ijane antsena die tsy maintsy mitandrigna bebe loholoho amin'ijay regnitsena, mba tsy hagnara-drenirano amin'ijane antsena.

2Fa laha marina ny hafatre ijay nojakaintsena tamin'ny alalagn'ireo anjely, ary ny fandikan-dalàna abiaby sy ny tsy fankatoavana die mandray sajy ara-drariny,3 die ahôna ary no hafahantsena milefa laha tsy miraharaha ijany famonjena lehibe lôtre ijany antsena? Io no famonjena ijay nambaran'ny Tompo voalohane sy namafisin'ireo ijay naharegne ijany tamintsena. 4Tamin'io fotôgna io mandy andriamanitra die nagnaporofo ijane tamin'ny famantarana, fahagagana, ary asa mahere samihafa, ary tamin'ny fijarana ireo fagnomejam-pahasoavanan'ny Fanahy Masina araka ny sitrapone.5Fa tsy tamin'ny anjely no nampagneken'Andriamanitra ijao tontolo ijao ho avy momba ijay resahintsena.6 Fa koja, nisy olo nitsangagna vavolombelogna an'ijane tagne ho agne, magnano hoe: " Ino ny olo, no misaigna an'aje anao? Na die ny janak'olo, no mikarakara an'aje anao?7Anao die nagnano ny olo ambany kele noho ireo anjely; nosatrohinao satro-boninahitra tamin'ny voninahitra sy dera ijy. [Fagnamarihana: Ny dikan-teny saragne taloha die miampy hoe:" Ary anao nametrake an'aje ambonin'ny asa-tagnanao."] 8Ny raha abiaby die nampagnekenao eo ambanin'ny tongone." Fa ho an'aje no namagneken'Andriamanitra ny raha abiaby. Tsy namela n'ino na ino ijy ka tsy nampagnekene an'aje. Fa ankehitriny antsena die tsy mbola mahita ny raha abiaby nampagnekena an'aje.9Fa antsena mahita ilay raike ijay nataone ambane noho ireo anjely nandritry ny fôtogna fohy: Jesôsy, ijay, nohon'ny fijaliane sy ny fahafatesane, die nosatrohina satro-boninahitra tamin'ny voninahitra sy dera. Ka ankehitriny tamin'ny alalagn'ny fahasoavan'andriamanitra, no nagnandramane ny fahafatesana ho an'ny olo abiaby. 10Fa mety amin'Andriamanitra ijany, satria ny raha abiaby die misy ho an'Aje ary amin'ny alalagne, mba hitondra janake rahabe ho agne amin'ny voninahitra. Mety amin'aje ny hahatonga ny mpitarika ny famonjena an-dreo ho feno amin'ny alalan'ny fijaliany11Fa ny olo ijay magnamasina na ireo ijay vômasina die managna loharano raike. Noho ijany die tsy megnatre magnatso an-dreo hoe rahalahy Ijy. 12Hoy ijy hoe: "Hagnambara ny agnaranao amin'ireo rahalahiko Iaho, hihira ny momba anao avy ao agnatin'ny fivondronagnana iaho13Ary koa, "Hatoky an'aje iaho." Ary koa:" Indro, eto iaho sy ireo janaka ijay nomen'andriamanitra an'ahe." 14Noho ijane, satria nofo aman-drà ireo janak'Andriamanitra, die nijara raha hôtran'ijane niarake tamin-dreo mandy koa Jesôsy, mba ho amin'ny alalagn'ny fahafatesana, no hagnafoagnane ny raike ijay managna ny herin'ny fahafatesana die ny devoly ijane. 15Ijane die mba hagnafahane ireo abiaby ijay nohon'ny tahotre ny fahafatesana die niaigna ny fiaignan'ijy abiaby ireo tao amin'ny fagnandevojana.Fa majava ho ajy fa tsy ireo anjely no 16vonjene; fa koja, ny taranak'i Abrahama. 17Noho ijane die mendrika an'Aje ny atao hôtran'ireo rahalahiny amin'ny fomba abiaby, mba ho mpisoronabe feno famindram-po sy fahatokisan Ijy amin'ny fifandresana amin'ireo rahan'Andriamanitra, ary mba hitondra momban'ny famelana ireo fahotan'ny olo.18 Satria Jesôsy mihintsy no nijaly sy nalaina fagnahy, die afake magnampy ireo ijay alaim-pagnahy Ijy.
Chapter 3

1Noho ijany, ry rahalahy masina, nijara ny antson'ny lagnitra anareo. Saino ny momban'i Jesôsy, ny apôstôly sy ny mpisorogna be ijay ekentsena. 2Ijy die natoky an'Andriamanitra ijay nanendry an'aje, hôtran'i Mosesy ijay natoky tao an-dragnon'Andriamanitra mandy koa. 3Fa jesôsy die efa niresina mendrika ny voninahitra lehibe nohon'i Mosesy, satria ijay mambôtra ny tragno no manan-kaja bebe kokoa nohon'ilay tragno. 4Fa ny tragno rehetra die nisy olo nambôtre, fa ny raike ijay nambôtre ny raha rehetra die Andriamanitra.5Amin'ny lafiny raike, Mosesy die natokisana hôtran'ny mpanompo tao an-dragnon'Andriamanitra iray manontolo. Ijy no vavolombelogna momba an'ireo raha ijay tokony efa nilajaina amin'ny ho avy. 6Fa Kristy no Janaka mendrekitra ny tragnon-Andriamanitra. Atsena no tragnony laha ohatra ka mitagna mafy ny herim-po sy ny fahatokisan-tsena atsena.7Noho ijane, ijany die hôtran'ny lajain'ny Fagnahy masina hoe: " Niany, laha maharegny ny feony anareo 8die aja magnamafy ny fonareo hôtran'ny amin'ny fikomena, amin'ny fotôgnan'ny fitsapana agny agn'efitra.9Toy ijany ny rajambenareo laha efa nikomy tamin'ny alalan'ny fitsapana an'Ahe, ary laha efa, nandritry ny efa-polo taogna, die hitan-dreo ny asako. 10Noho ijany die tsy faly Aho amin'io taranaka io. 11Hoy aho hoe: 'Ija ireo die vôtarika mandrakariva agny amin'ny lalan-diso ao am-pone. Tsy nahafantatra ny lalako areo. Tahak'ijany no niaignako tamin'ny nivignirako hoe: "Tsy hiditra ao amin'ny fivilako velively areo."'12Mitandrema, ry rahalahy, ba tsy hisy ndre raika aminareo aja no hanagna fo ratsin'ny tsy finôna, fo ijay miala amin'Andriamanitra velogna.13Fa koja, mifampahereja isan'andro, laha bola misy ny angihina hoe: " Niany", ba tsy hisy aminareo ho mahery fo amin'ny alalan'ny fitaky ny fahotana.14Fa atsena die lasa mpiara-miasa amin'i Kristy laha ohatra ka mitagna mafy ny fahatokisantsena an'Ajy hatramin'ny vôlohany ka hatramin'ny fiafarane. 15Fa ny momba ijany die efa vôlaja hoe: " Niany, laha maharegne ny feony anareo, die aja magnamafy ny fonareo, hôtra ny amin'ny fikomena."16Ija ijy ijay efa naharegne an'Andriamanitra ka nikome? Fa tsy ireo abiaby ijay nivôka avy tagny Egypta tamin'ny alalan'i Mosesy ve ijane? 17Ija no nahavignitra an'aje nandritray ny efa-polo taogna? Tsy ireo ijay nanota vé, ijay lavo tagny agn'efitra ny fatin-dreo? 18Hôn'ija no nianiagnany fa tsy hiditra ao amin'ny fitsaharan-dreo, laha tsy ho an'ireo ijay tsy nankatò an'Ajy?19Hitantsena fa tsy afaka niditra tao amin'ny fitsaharany areo nohon'ny tsy finôna.
Chapter 4

1Noho ijane, ôka hitandrigna tsara antsena mba tsy hisy aminareo ny tsy afake hahatratra ny jaka fampagnantenana navela hônareo mba hidiranareo ao amin'ny fitsaharan'Andriamanitra. 2Fa antsena die nagnatorôna ny vaovao mahafaly hôtran-dreo. Fa ijane hafatra ijane die tsy nisy tombone hôn'ireo ijay tsy nitambatra tao amin'ny finôna niaraka tamin'ireo ijay nankatò. (Fagnamarihana: ny dikanteny saragne die mivaky hôtran'ijao: "Fa ijane hafatra ijane die tsy nisy tombone hôn'ireo ijay naharegny an'aje tamin'ny tsy finôna.")3Fa antsena ijay nino die ireo hiditra amin'ijane fitsaharana ijane, araka ijay efa nivorinine hoe: "Hôtran'ny nifantako tamin'ny fahavignirako, die tsy hiditra mihitsy ao amin'ny fitsaharako areo." Fa na ijane koa aja, ny asa famorognane die vita tamin'ny fagnamboarana ijao tontolo ijao.4 Fa ijy nijaka tagny ho agne mahakasika ny andro faha-fito hoe: "Andriamanitra nitsahatre tamin'ny andro faha-fito tamin'ny asane abiaby." 5Ary mbola nijaka indraike ijy hoe: "Areo die tsy hiditra mihitsy ao amin'ny fitsaharako."6Noho ijane, satria mbola vôtokagna hôn'ny saragne ny fidirana ao amin'ny fitsaharane, ary satria be ireo Israelita naharegny ny vaovao mahafaly tsy niditra tao nohon'ny tsy fankasitrahana, 7die nagnavela andro raike indraike nangihina hoe: "Niany" Andriamanitra. Tafaran'ny andro maro, die nivoria tamin'ny alalan'i Davida Ijy, hôtran'ijay vôlaja meloha hoe: "Niany laha maharegny ny feone anareo, die aja magnamafy ny fonareo."8Fa laha Josoa no nagnome fitsaharana an-dreo, die tsy nivoria mahakasika ny andro raike hafa Andriamanitra.9 Noho ijane die mbola misy sabata fitsaharana vôtokagna hôn'ny fokon'olon'Andriamanitra.10 Fa ijay miditra ao amin'ny fitsaharan'Andriamanitra die nitsahatra tamin'ny asane mandy koa, hôtran'ny namboarin'Andriamanitra tamin'ny nen'Aje. 11Noho ijane ôka antsena hajoto hiditra amin'ijane, mba tsy hisy na raike aja ho tafalatsaka amin'ny karajana tsy fankasitrahana ijay namboarin-dreo.12Fa ny jakan'Andriamanitra die velogna sy mandaitre ary marangitra loholoho ny sabatra roa lela. Ijane die manindrogna hatramin'ny fagnasarahana ny aigna amin'ny fagnahy, sy ny tognona amin'ny tsoka mihitsy aja. Ka afake fantarina ny eritreritry ny fo sy ireo fikasana.13 Tsy nisy famorognana nivony teo agnatrehan'Andriamanitra. Fa koja, ny raha abiaby die mibaribary sy mivoha eo amason'ilay raike ijay tsy mentsy hampamoahintsena.14Noho ijane, satria antsena die managna mpisoronabe makadiry ijay nienga namaky ny lagnitre, Jesôsy Janak'Andriamanitra, die andao antsena hifikitre mahare amin'ny finoantsena. 15Fa antsena die tsy managna mpisoronabe ijay tsy mahatsapa falahelovana amin'ny fahalementsena. Fa koja, antsena die managna olo raike ijay efa nalaim-pagnahy tamin'ny fomba abiaby hôtrantsena, nefa Ijy tsy misy ota. 16Ôka ary antsena andeha amin'ny fahatokiana ho agne amin'ny seja fendrianan'ny fahasoavana, mba handresantsena ny famindram-po sy hahita fahasoavana hagnampe amin'ny fotôgna ilàna ijane.
Chapter 5

1Fa ny mpisoronabe, vôfidy laha tamin'ny olo, die notendrana mba hiasa amin'ny agnaran'ny olo anin'ny raha mikakasike an,Andriamanitre, ka mba hanolorana fagnomejana sy fagnatitre ho an'ny ota. 2Ijy die afake mifagnarake mora amin'ny tsy mahalala sy ny mivilivily satria ijy tegnane mandy koa die vôdiganan'ny fahalemena.3 Noho ijany, ijy mandy koa die natokisana hanolotre sorona ho an'ny otane manokan, hôtra ny namboariny ho an'ny otan'olo.4Tsy ho an'ny tegnane no handresen'olo ijany voninahitre ijany. Fa koja, ijy die nangihin'Andriamanitre, hôtra an'i Arona. 5Die hôtra anijay,Kristy tsy mba nagnome haja ny tegnany mihintsy tamin'ny tamin'ny fanôvane ny tegnane ho mpisoronabe. Fa koja, ny raike ijay nivoria taminajy nijaka hoe: ''Zanako Anao; androany die tongo Iabanao Iah.''6Hôtra anijany mandy koa no nolazainy tagny amin'ny toeran-kafa hoe: ''Anao die mpisorona mandrakizay arake ny fomban'i Melkizedeka.''7Nandritr'ireo andron'ny nofony, Kristy nanolotre vavake sy fangatahana niarake tamin'ny hiake mahare sy ranomaso an'Andriamanitre, ny raike ijay afake mamonjy Anajy amin'ny fahafatesana. Re Ijy nohon'ny fangorahane. 8Ndre die janake Ijy, die nianatre fankatoavanatamin'ny raha ijay neratane.9Natao ho tonga lafatre Ijy ka tonga, ho an'ny olo abiaby ijay mankato Anajy, ny loharanon'ny famonjena mandrakizay. 10Die notendren'Andriamanitre hôtra ny mpisorona be Ijy araka ny fomban'i Melkizedeka. 11Manan-kolajaina rahabe momban'i Jesôsy ahay, fa sarotre ny magnajava ijany hatamin'ny napa-regnidregnina ny tadigninareo.12Fa amin'ijao fotôgna ijao die tokone ho mpampianatre anareo, anareo die mbola mila olo hampianatre anareo ny fitsipike fototry ny hafatran'Andriamaintra. Ronono no ilainareo, fa tsy venti-kanina ! 13Fa ny olo ijay minogna ronono fotsiny die tsy ampy traikefa amin'ny fahamarinana, satria ijy die mbola kely.14 Fa ny ventin-kanina die ho an'ny lehibe. Ireo die ijay vôhofana tamin'ny fagnavahana ny tsara amin'ny ratsy ny fahatakarany nohon'ny fahamatoran-dreo.
Chapter 6

1Noho izany, handeha abelantsena ny fetombohan'ny hafatry Kristy ka handroso amin'ny fahamatorana. Andeha antsena tsy hamela indraike ny fototry ny fibebahana noho ny asan'ny maty sy ny finôana an'Andriamanitra, 2na ny fototry ny fampenarana momba ny batisa, ny fametrahana tagnana, ny fitsanganan'ny olo-maty, die ny fitsarana maandrakizay, 3hagnano an'izany mandy koa antsena laha aken'Andriamanitra.4Fa tsy hay atao an'ireo izay efa nazavaina indraika mandeha izane, izay nagnandragna ny fagnomezana avy any andanitra ny Fagnahy Masina, 5die izay nagnandragna ny zaka tsara an'Andriamanitra sy ny herin'ny vanim-potoana hoavy. 6Nefane avy teo die lavo tsy hay atao ny mamerigna anazy io amin'ny fibebahana indraike izany die satria nombohandreo ho an'ny tegnandreo koa ny zanak'Andriamanitra, nalaina baraka amason'olo.7Fa ny tany izay mitroka ny erika matetika avy amin'izany sy izay mamotraka ny raha maniry ilain'olo izay nesana ny tane. Io ny tany izay mandray fitahiana avy amin'Andriamanitra. 8Fa laha mamokatra izany, die tsy misy ilana anazy die ef marivo ny fagnozognana. Ny fefaran'izany die amin'ny faharetana.9Fa ahay die resy lahatre amin'ny raha tsara loholoho momba anareo, ry malala, raha izay mikasika ny famonjena, die mizaka hôtran'izany aza ahay. 10Fa Andriamanitra tsy mba tsy marina ka hagnadigno ny asanareo sy ny mbola manompo andreo fezay.11Magniry mafy ahay mba haregny fahazotoana hôtran'izany hatramin'ny farany ny tsiraidraike aminareo ho amin'ny antoky ny fahatokena feno. 12Izany die mba tsy ho lasa kamo anareo, fa ho mpangala tahaka andreo izay mandova ny fampagnategnana amin'ny finôna sy faharetana.13Fa tamin'Andriamanitra nagnano ny fampategnany tamin'ny Ambrahama, die nianiagna tamin'ny tegnany Izy, laha tsy afaka nianiagna tamin'ny olo lehibe loholoho. 14Hoy izy hoe: "Izaho due hitahy anao tokôtre, ary tena hahamaro. 15Tamin'izany fomba izany die mahazo ze nampagnantegnaina tafaran'ny nandiasane tamin-paharetana Abrahama.16Fa ny olo die miniana amin'ny olo je lehibe loholoho noho ny tegnandreo sahin'ny tapitre ny fifamehezandreo, die misy voady iray natao ho fagnamafisana. 17Laha nanapa-kevitra ny fampisehoana mazava loholoho tamindreo mpandova ny fampagnantegnana ny tsy fiovan'ny kalitaon'ny tanjognany Andriamanitra, die nomeny antoke tamin'ny voady izane. 18Namboarin'izany mba ho amin'ny alalan'ny raha tsy azo azavaina roy lahateo. Izay tsy hain'Andriamanitra ny mivandy amin'izany die hanagna fampaherezana matanjaka mba hihazognana mafy ny fahatokena je toky izane antsena.19ho aro sy vatofantsika azo hiankinana fagnahitsena, fahatokena je miditra ao amin'ny fitobohana agnatiny ao ambadike ny lamba. 20Jesôsy niditra tao amin'izany fitobohana izany hôtrany mpeloha lalagna ho antsena, ka avy mpisorognabe mandrakizay magnaraka ny fomban'i Melkizedeka.
Chapter 7

1Melkizedeka ijay, mpanjakan'i Salema, mpisoron'Andriamanitra Avo Indrindra, ijay nifanena tamin'ny Abrahama laha efa nipody avy nandresy ny mpanjaka ary nitahy anajy. 2Ijy no namen'i Abrahama ny ampahafolon'ny raha manontolo. Ny agnarany hoe "Melkizedeka" die midika hoe "mpanjakan'ny fahamarinana." Ny agnarany hafa die "mpanjakan'i Salema," ijany die: "mpanjakan'ny fiadagnana."3 Ijy die tsy manan-dray, tsy manan-dreny, tsy managna rajambe, ary tsy managna fetombohan'ny andro sady tsy managna fiafaran'ny fiaignana. Fa koja, mitovy amin'ny Janak'Andriamanitra ijy, satria mipetraka ho mpisorona mandrakijay.4Jahao ny hangejan'io lelahy io. Ny rajambentsena Abrahama die magnome ny ampahafolon'ny raha ijay ajony tamin'ny ady.5 Amin'ny lafiny raike, ny janaka lahin'i Levy ijay mandray ny fisorognana die managna beko avy amin'ny lalàna mba hanangogna ny ampahafolon-karena avy amin'ny olo, ijany die, avy amin'ny rahalahin'dreo, na ijany aja areo, mandy koa, die avy amin'ny vatagn'i Abrahama.6 Fa amin'ny lafiny raike, Melkizedeka, ijay tsy vôsiritre avy amin'dreo ny taranagne, die nandray ampahafolon-karena avy amin'i Abrahama, ary nagnome tso-drano anajy, ny raike ijay nanagna ny fampagnatenana.7Tsy misy fandavana fa ny olo farany ambany die omen'ny olo farany ambony tso-drano. 8Amin'ijany tranga ijany, ny olo mety maty die mandray ampahafolon-karena, fa amin'itoy tranga itoy die vôporofo fa bola velogna ijy. 9Ary, amin'ny fomba fijakana, Levy, ijay nandray ampahafolon-karena, die nandoa ampahafolon-karena, die nandoa ampahafolon-karena tamin'ny alalan'i Abrahama mandy koa,10 satria Levy die tao agnatin'ny tegnan'ny rajambene laha efa nihaogna tamin'i Abrahama i Melkizedeka.11Ankehitriny laha ajo atao amin'ny alalan'ny fisorognana levitika ny fahatanterahana (fa tao ambanin'ijany ny olo no nandray ny lalàna), die filana bebe kokoa no mety nisy hôn'ny mpisorogna hafa ba hitsanganana arakan'ny fomban'i Melkizedeka, ary tsy resina arakan'ny fomban'i Arona? 12Fa laha efa novàna ny fisorognana, die tsy mentsy hovàna mandy koa ny lalàna.13Fa ny raike ijay nolajaina ny mahakasikan'ny raha io die an'ny foko hafa, ijay tsy misy olo manompo eo amin'ny alitara mihitsy. 14Fa majava ankehitriny, fa avy amin'i Joda no nahaterahan'ny Tompotsena, foko ijay tsy nijakain'i Mosesy mihitsy ny mahakasika io mpisorogna io.15Je jakaintsena die efa majava kokoa laha misy mpisorogna hafa mitsangagna amin'ny endrik'i Melkizedeka. 16Tsy avy tamin'ny fototry ny alalan'ny taraky ny nofo no nahatonga anajy ho mpisorogna, fa koja avy tamin'ny fototry ny herin'ny fiegnana tsy mety levigna. 17Fa ny soratra Masigna die mijoro vavolombelogna mahakasika anajy hoe: ''Anao die mpisorogna mandrakijay araka ny fomban'i Melkizedeka.18Fa nisy fagnafoagnana ny didy teo aloha satria nalemy tsy nisy dikany ijany. 19Fa tsy nisy raha nataon'ny lalàna tonga lafatra. Kanefa, misy ny fampidirana fahatokisana tsara kokoa hôn'ny hoavy ijay hagnantognantsena an'Anandremanitra.20Tsy nitrang'ijany laha tsy nisy ny fandresana fianiainana. Amin'ny lafiny raika, ireo hafa ireo die lasa mpisorogna tsy nila fianianana. 21Fa amin'ny lafiny raika hafa, itoy raike toy, Jesôsy, die nanjary mpisorogna tamin'ny alalan'ny fianianana nataon'ilay nilaja taminajy hoe: ''Ny Tompo die nianiana ary tsy hiova amin'ny heviny hoe: 'Anao die mpisorogna mandrakijay.'''22Tamin'ny alalan'ijany mandy koa jesosy no nagnome antoka ny fagnekem-pihavanana tsara kokoa. 23Amin'ny lafiny raike, rahabe ny lasa mpisorogna satria ny fahafatesana no manakagna anajy ireo hanohy. 24Amin'ny lafiny raika hafa, satria jesôsy mitoetra mandrakijay, die managna fisorognana mandrakijay ijy.25Noho ijany ijy mandy koa die afaka mamonjy tanteraka ny ijay magnatogna an'Andriamanitra amin'ny alalane, satria ijy die miaigna fehijay mba hagnelagnelagna ho an'dreo. 26Fa ny mpisoronabe hôtran'ijany die mety hôntsena. Ijy die tsy manam-pahotana, tsy manan-tsigny, madio, nisarahina tamin'ireo. mpagnota , ary tonga ambony nohon'ireo lagnitra.27Tsy mila ijy, tsy hôtran'ny mpisoronabe, hanolotra sorogna isan'andro, ny vôlohany ho an'ny fahotany manokagna, ary avy teo ho an'ny fahotan'ny olo. Efa nagnano ijany ndraike mandeha ho an'ny manontolo ijy, laha efa manolotre ny tegnany.28 Fa ny lalàna manondro ny olo ijay managna fahalemena ho mpisoronabe. Fa ny tenin'ny fiaignana, ijay tonga tafaran'ny lalàna, die nanendry Janaka lahy, ijay natao tonga lafatre mandrakijay.
Chapter 8

1Ary ny fototry ny raha lajainay die ijao: Antsena die managna mpisognabe ijay nidoboke teo an-tanan'ankavanan'ny seja fiandrianan'ilay be voninahitra angny an-dagnitre. 2Ijy die mpanompo ao amin'ny toerana masina, ilay tabernakely marina ijay ny Tompo, fa tsy ny olo, no nagnorina an'ajy.3Fa ny mpisorognabe abiaby die notendrena hanolotra fagnomejana sy sorogna. Noho ijany die ilaina ny managna raha ho atolotra. 4Ary laha teto an-tany Kristy, die tsy ho mpisorogna akory Ijy, satria misy ireo ijay manolotra fagnomejana araka ny lalàna. 5Ijy ireo die manompo ao amin'ny tabernakely ijay tandindogna sy aloky ny raha agny an-dagnitra. Ijany die hôtran'ny nampitandreman'Andriamanitra an'i Mosesy laha ijy handeha hagnamboatra tabernakely: hoy Andriamanitra hoe:" Jereo mba ho ataonao araka ny modely ijay efa naseho anao tegny an-tendrombohitra ny raha abiaby."6Fa ankehitriny Kristy die nandray asa fanompoana tsara lavitre. Ijany die noho ijy mpagnelagnelana mandy koa amin'ny fagnekegna tsara tokôtre, ijay mifototre amin'ny fampagnategnana tsara loholoho. 7Fa laha tsy nanan-tsigny ijany fagnekena vôlohany ijany, die tsy nisy nilana fagnekegna faharoa.8Fa laha nahita tsigny tamin'ny olo Andriamnitra, die hoy IJy hoe:" Indro, ho avy ny andro-- hoy ny Tompo-- laha hagnano fagnekena vaovao amin'ny olon'Israely sy ny olon'i Joda Iaho. 9Die tsy ho hôtrin'ny fagnekena ijay nataoko niaraka tamin'ny rajan-dreo tamin'ny andro ijay nitondrako an-dreo tamin'ny tanany hiala avy tamin'ny tany Egypta Ijany. Fa areo die tsy nitoetre tao amin'ny fagnekeko, ary Iaho tsy niraharaha an-dreo-- hoy ny Tompo.10Fa ijao no fagnekena ijay ho hataoko amin'ny olon'Israel afaran'iregne andro iregne---hoy ny Tompo. Hataoko ao an-tsain-dreo ny lalàko, ary ho soratako ao am-pon-dreo mandy koa ijany. Ho Andriamanitran-dreo Iaho, ary ijy ireo ho oloko.11Areo die tsy hampianatre ny mpiara-monigna ary ny rahalahiny aby, hijaka hoe: Fantaro ny Tompo." Fa hahafantatra an'Ahy ny abiaby, manomboka amin'ny kely indrindra ka hatramin'ny lehibe indrindra amin-dreo. 12Fa Iaho die hamindra fo amin'ny tsy fahamarinan-dreo, ary tsy hahatsiaro ireo fahotany koa."13Amin'ny fijakana hoe "vaovao", die nagnano ny fagnekena vôlohany ho taloha ijy,ary ijay efa lany andro sy antitre die efa akeky ho levogna.
Chapter 9

1Ary na die ny fagnekena vôlohany aja die nanagna fitsipim-pivavahana sy fitobohana masina eto an-tany. 2Fa nisy Taberinakely ijay nomagnina. Ny efitra vôlohany, ijay nisy ny fitoeran-jiro, ny latabatra, ary ny mofon'ny fagnatrehana, die nangihina hoe fitoerana masina.3Ao ambadiky ny lamba faharoa die nisy efitra raika hafa, angihina hoe toerana Masina indrindra. 4Nisy alitara volamena hôn'ny ditin-kajo magnitra ijany.Nisy ny fiaran'ny fagnekena mandy koa, ijay feno volamena tanteraka. Tao agnatin'ijany die nisy sihô volamena ijay nisy ny mana, ny tehign'i Arona ijay naniry, ary ireo vato fisaky ny fagnekena. 5Egny ambonin'ny fiaran'ny fagnekena, die Kerobima be voninahitra rahabe no magnaloka ny sarogna fandrakofana, ijay tsy afaka jakainay amin'ny antsipiriany ankehitriny.6Laha efa vôomagna ireo raha ireo, die niditra tao amin'ny efitra ambohon'ny tabernakely fahijay ireo mpisorogna ba hambôtre ny fanopôndreo. 7Fa ny mpisorom-be mandy no niditra indraimandeha isan-taogna tao amin'ny efitra faharoa, ary niaraka tamin'ny rà ijay natolony hôn'ny régnany sy hôn'ireo fahotana tsy niegnan'ireo olo.8Nasehon'ny Fagnahy masina fa ny lalagna mandeha ao amin'ny toerana masina indrindra die bola tsy naseho laha bola mitsangangna ny tabernakely vôlohany. 9Ijany die fagnoharana hôn'ijao fotôgna ankehitriny ijao. Ireo fagnomejana sy ireo sorogna ijay atolotra ankehitriny die samy tsy afaka hahatanteraka ny fieritreretan'ny mpivavaka raike. 10mifantoka amin'ny rahanina sy raha finomina sy karajagna fomba fidiovana rahabe fotsiny ireo. Ireo manontolo ireo die fitsipika hôn'ny nofo manontolo ijay namena mandram-bagnamboarana ny fandaminana vôvao.11Kristy die niavy hôtran'ny mpisorognaben'ireo raha tsara ijay avy. Nandeha tamin'ny alalan'ny taberinakely angeja kokoa sy lafatra kokoa ijay tsy namboarin'ny tagnan'olombelogna Ijy, ijay tsy an'ijao tontolo vôjagnahary ijao. [Fagnamarihana: ireo dika teny sasagny die mivaky hôtran'ijao: "Jesôsy die avy hôtran'ny mpisorognaben'ireo raha tsara ijay ho avy.''] 12Tsy tamin'ireo ràn'osy lahy sy vantotra aomby vavy ijany, fa tamin'ny ràny manokagna ijay niditra tao amin'ny toerana masina indrindra indraimandeha monja ho an'ny manontolo ary niaro ny famonjetsiena mandrakijay.13Fa laha ny ràn'ireo osy sy ireo aomby lahy ary ny famafajana ny lakevognin'ny vantotr'aomby vavy eo amin'ireo ijay lasa maloto no manokagna anajy ireo eo amin'Andriamanitra ho fagnadiovana ny nofon'ijy ireo,14 hôtran'ny akory ny fihoaran'ny ràn'i Kristy, ijay manolotra ny tegnany tsy misy kilema hôn'Andriamanitra tamin'ny alalan'ny fagnahy mandrakijay, hagnadio ny fieritreretantsena hiala amin'ny asa maty ba hanompôna ilay Andriamanitra velogna? 15Noho ijany antony ijany, die Ijy no mpambôtre lalàna ny fagnekena vôvao. Ijany die, satria nisy fahafatesana raika nitranga ba hagnafaka ireo ijay ambanin'ny fagnekena vôlohany ami'ny fahotany dreo, handray ny fampagnatenan'ny lova mandrakijay ireo ijay vôantso.16Fa laha misy didim-panagnana, ny fahafatesan'ilay olo ijay nagnano ijany die tsy mentsy vôporofo. 17Fa laha efa misy fahafatesana mandy jay vôha manan-kery ny didim-panagnana, satria tsy manan-kery ijany laha ohatra ka bola velogna ilay olo ijay nagnano anijany.18Koa na die ny fagnekena vôlohany aja tsy namboarina laha tsy ny rà.19 Fa laha efa nagnome ny didy manontolo tao amin'ny lalàna tamin'ireo olo manontolo i Mosesy, die nangala an'ireo ràn'ireo aomby sy ireo osy, niaraka tamin'ny rano, volon'ondry jaky mena, hysopa ijy, ary namendraka teo amin'ny boky sy ny olo!manontolo. 20ary ijy nijaka hoe: Itoy ny ràn'ny fagnekena ijay nandidien'Andriamanitra hônareo.''21Hôtran'ijany koa, die namendrika ny rà teo amin'ny taberinakely sy ireo fitoeran-draha manontolo hampesaina amin'ny fanonpôna ijy. 22Araka ny lalàna, die saika ny raha manontolo no vôdio tami'ny rà. Laha tsy misy fandatsahan-drà die tsy misy famelan-keloka.23Noho ijany die nilaina ny tandindognireo raha agny an-dagnitra ba ho vôdion'ireo sorogn'ireo biby ireo. Na die ijany aja, irao rahan'ny lagnitra mihitsy no nila nidiovina tamin'ny sorogna tsara kokoa. 24Fa Kristy die tsy niditra tao amin'ny toerana masina indrindra ijay namboarin'ny tagnana, ijay tandindogn'ilay iray ijay tena ijy fotsiny mandy. Fa koja niditra tagny an-dagnitra mihitsy Ijy, ba hiseho eo amin'ny fagnatrehan'Andriamanitra ho antsena ankehitriny.25Tsy nenga tao ba hanolotra ny tegnany imbetsaka Ijy, hôtran'ny famboarin'ny mpisorom-be, ijay miditra ao amin'ny toerana masina indrindra isan-taogna niaraka tamin'ny ràn'ny hafa. 26Fa laha ijany ny raha nitranga, die nila nijaly imbetsaka nanomboka tamin'ny fagnorenana ijao tontolo ijao Ijy. Fa ankehitriny die indraimandeha mandy no nampisehôny Anajy ba hangala ny fahotana amin'ny alalan'ny sorogna ny tegnany manokagna.27Efa namboarina ho maty indraimandeha ny olomanontolo, ary afaran'ijany no ho avy ny fitsarana. 28Hôtran'ijany mandy koa, Kristy, ijay natolotra indraimandeha ba hangala ireo fahotan'ny rahabe, die hiseo mpagnindroany, tsy handraharaha ny ota, fa hôn'ny famonjena ireo ijay mandigny Anajy amim-paharetana.
Chapter 10

1Fa ny lalàna die alok'ireo raha tsara ho avy fotsiny, fa tsy tena endrik'ireo raha ireo. Ireo ijay magnatona an'Andriamanitra die tsy afake ny ho tsara amin'ny alalan'ny sorogna mitovy amin'ijay indôsin'ireo mpisorogna isan-taogna. 2Laha ijany tsy efa nijanogna nanolotre iregne sorogna iregne areo? Amin'ijany tranga ijany, laha efa nodiovina indraike mandeha fotsiny areo, die tsy mba hahafantatre ny ota koa ireo mpivavaka. 3Fa amin'ireo sorogn ireo die misy fampahatsiahivana ireo ota isan-taogna. 4Satria ny ràn'ny omby lahy sy osy lahy die tsy mahavita mangala ireo ota.5Laha avy teto amin'ijao tontolo ijao Kristy, die nijaka Ijy hoe:' Tsy sorogna na koa fanatitra no nirianareo. Fa koja, vatagna ijay efa nomaninareo ho an'Ahe. 6Ny fanatitra nodorana na sorogna ho an'ny ota die tsy nifalianao. 7Ary hoy aho hoe:" Jereo, itoy Iaho, arak'ijay vôsoratre momba an'Ahe ao amin'ny Soratra Masina, mba hanao ny sitrakareo."8Vôlohany nijaka ijy hoe:" Tsy sorogna, na koa fanatitra, na fanatitra nodorana, na sorogna ho an'ny ota no nirinareo. Ary Ianao tsy nifale tao amin'ijy iregne." Iregne die sorogna ijay atolotre araka ny lalàna. 9 Ary nijaka ijy hoe:"Jereo, itoy Iaho hanao ny sitrakareo.'' Ijy die nangala ny fampiharana vôlohane mba hametrahana ny fampiharana faharoa. 10Tamin'ijane sitrake ijane, antsena die nohamasinina tamin'ny alalagn'ny fanatitry vatagn'i Jesôsy Kristy indraike mandeha mandy.11Amin'ny lafiny raike, ny mpisorogna abiaby die mitsangagna isan'andro manompo an'Andriamanitra. Ijy die manolotra sorogna mitovy fehijay, na ijany aja areo die tsy afake mangala ireo ota mihintsy.12 Amin'ny lafiny raike hafa, Kristy die nanolotre sorogna raike ho an'ny ota mandrakijay, nidoboke teo an-tagnan'ankavanan'Andriamanitra Ijy.13 Ijy die mandigny mandra-panôvana ireo fahavalony ho fitoeran-tongotre ho tongony.14 Fa tamin'ny fanatitra raike ijy die nahalavorary mandrakijay ireo ijay nohamasignina.15Ny fanahy Masina koa die mitsagagna vavolombelogna ho antsena Fa tamin'ny vôlohane Ijy nijaka hoe: 16''Ity no fagnekena ijay ho ataoko miarake amin-dreo afaran'ireo andro ireo, hoy ny Tompo. Hapetrako ao am-pon-dreo ny làlako, ary hanoratre an'ijany ao an-tsain-dreo Iaho.17Tsy hahatadidy ny ota sy ireo helo-dreo koa aho.'' 18Ary na aia misy famelana an'ijany, die tsy misy sorogna ho an'ny ota koa.19Noho ijany, ry rahalahy, antsena die managna fahatokiana ny hiditre ao amin'ny toerana masina indrindra tamin'ny ràn'i Jesôsy. 20Ijany no lalana vaovao sady velogna ijay nosokafane ho antsena tamin'ny alalan'ny lamba, ijany hoe, tamin'ny alalan'ny nofone.21 Satria antsena die magnana mpisorogna lehibe mitandrigna ny tranon'Andriamanitra,22 ôka antsena hagnatogna amin'ny fo madio amin'ny finôna feno fahatokiana, mba hanagnatsena fo vôdio amin'ny fieritreretana ratsy ary hanagnatsena vatagna vôdio tamin'ny rano madio.23ôka antsena hitajogna mahare ny fagnekegna ny fiandrandrana mahatokintsena, tsy am-pihojongonjognana, satria Andriamanitra, ijay nampagnategna, die mahatoky. 24ôka antsena handinike ny fomba handrisihana ny kiraidraike amin'ny fitiavana sy ireo asa tsara. 25ôka antsena tsy hagnajanona ny fiarahagna miangogna, hotran'ny nataon'ny saragne. Fa koja mifankahereja fehijay fehijay, ary meke fa hitanareo fa marivo ny andro.26Fa laha hôtran-tsena minia magnota laha avy nandrae ny fahalalana ny marina, die tsy misy fanatitra ho an'ny ota koa. 27Fa koja, raike mandy ny fandignasagna mahatahotry ny fitsarana, ary havigniragna mirehitre ijay hamotike ireo fahavalon'Andriamanitra.28Na ija na ija nandà ny lalàn'i Mosesy die ho fate tsy misy indrafo amin'ny fitsanganagna vavolombelognan'ireo roa na telo iay nagnatri-maso. 29Fagnasajiana ratsy lavitre hôtrin'ny akore no eritreretinareo fa mendrike ireo ijay nagnitsaka ny Janak'Andriamanitra, ijay nagnano ny ràn'ny fagnekena ho tsy masina__Ilay rà ijay nagnamasignana an'Aje__ary naniratsira ny Fanahin'ny fahasoavana?30Fa antsena mahafantatre ilay raike ijay nijaka hoe:" an'Ahe ny valifate; Iaho no hamale." Ary koa:" Ny Tompo die hitsara ny olone." 31Raha mahavaka no hilatsake eo an-tagnan'ny Andriamanitra velogna!32Fa tadidio ireo andro taloha , laha nohajavaina anareo, ny fomba niaretanareo ny ady mafy tamin'ny fijaliana.33 Anareo die nalain barake ampahibemaso tamin'ny fangnejehana, ary anareo die niarake nijara tamin-dreo ijay nandalo fijaliana hôtran'ijany.34 Satria anareo die nanagna fangoraham-po tamin'ireo ijay nigadra, ary anareo die nagneke tamim-pifaliana ny fangalàna ny fanagnanareo. Die nahafantatre anareo fa ny tegnanareo die managna fanagnana tsara loholoho sy maharitre mandrakijay. [ Fagnamarihana: Ny dikan-teny taloha die tsy ahitana ny fehejanteny hoe:" Fa anareo die nanagna fangoraham-po tamin'ny gadrako."]35Noho ijane die aja ariana ny fahatokisanareo, ijay managna valisoa lehibe.36 Fa anareo die mila faharetagna, mba hahajahoanareo ijay nampagnantenain'Andriamanitra, laha nagnano ny sitrapone anareo. 37Fa tsy ho ela akore. ilay raike, ijay ho avy die ho avy tokôtre ary tsy ho tara.38Ny oloko marina die hivelogna amin'ny finôna. Laha mihemotra ijy, Iaho die tsy ho faly amin'ajy. 39Fa antsena die tsy agnisan'ireo ijay mihemotre ho amin'ny faharavana. Fa koja, antsena die agnisan'ireo ijay managna finôna ho amin'ny fitanjognana ny fanahintsena.
Chapter 11

1Ary ny finôna no antoka amin'ireo javatra nandiasana tamim-pahatokisana. Io no porofon'ireo java-nitranga ijay bola tsy hita. 2Fa noho ijany ireo rajam-be die nankatoavina nohon'ny finôn-dreo. 3Amin'ny finôna no hahafantarantsena fa ny didin'Andriamanitra no namorognana ijao tontolo ijao, ka ijay hita maso die natao tamin'ny raha ijay hita maso.4Tamin'ny finôna no nanoloran'i Abela fagnatitra tsara kokoa hôn'Andriamanitra noho ny an'i Kaina, tamin'ny alalan'ijany no nagnambarany an'ajy ho marina, ary Andriamanitra nijaka tsara an'ajy noho ireo fagnatiny, ary amin'ny finôna no bola hijakan'i Abela, na die efa maty aja ijy.5Tamin'ny finôna no namindrana an'i Enoka ba tsy ahitany ny fahafatesana. "Tsy hita ijy, satria nalain'Andriamanitra." Fa talohan'ny nangalana an'aje, die nitsanganana vavolombelogna fa nankasitrahan'Andriamanitra ijy. 6Ary laha efa tsy misy finôna die tsy mety ho ankasitrahany. Satria ilaina hoe ijay magnantogna an'Andriamanitra die tsy mentsy mino fa misy ijy ary ijy no mamaly tsara an'ireo ijay mitady an'Ajy.7Tamin'ny finôna Noa, no namena ny hafatra avy amin'Andriamanitra momba ireo raha ijay tsy mbola hita, niaraka tamin'ny fagnajana an'Andriamanitra no nagnamboarany ny sambo ijay namonjeny ny ankohonany. Fa tamin'ny fanôvana ijany, no nagnamelohany ijao tontolo ijao sy nahatongavany ho mpandova ny fahamarinana araky ny finôna.8Tamin'ny finôna Abrahamq, laha efa nantsoina, no nankatò sy nandeha nenga amin'ilay toerana ijay hajahôny ny lova. Nandeha ijy, tsy nahalala ijay tany nombane. 9Tamin'ny finôna no niaignany tagny amin'ilay tany nampanantenaina hôtran'ny vahiny. Niaigna tao agnaty tragno lay ijy niaraka tamin'Isaka sy Jakoba, ireo mpiara-mandova amin'ilay fampagnantenana mitove. 10Fa ijy nandremby ilay tanàna ijay managna ireo fagnamboarana, ilay tanàna ijay Andriamanitra no mpamari-tragno sy mpambôtra tragno.11Tamin'ny finôna, na die Saraha ijy tegnany ijay momba aja, no najahôn'i Abrahama ny fahafahana ho raike. Nitranga ijany na die efa tena antitra aja ijy, satria niherina hôtran'ilay matoky namena ilay fampagnatenana ijy. (Fagnamarihana: Misy fagnotanena momban'ny hoe ny finôn'i Abrahama sa finôn'i Saraha no navohitre. "Tamin'ny finôn'i Saraha, na die efa antitra aja ijy, no najahôny hery hanagn'anake, na die efa tena antitra aja ijy hitondra jaja, satria nihevitra ilay nagnome ilay fampagnantenana an'ajy ho matoky.") 12Noho ijany, avy amin'ijany lelahy ijany, ijay efa ho faty, no nahaterahan'ireo ijay hôtran'ireo kintagna egny an-andagnitra ny habeny sy hôtran'ny fasika magnamorogna ny ranomasina, ijay tsy vôïsa.13Tao amin'ny finôna ireny rehetra ireny no maty tsy nandray ireo fampagnantenana. Fa koja, tafaran'ny nahitana sy niarahabana an-dreo avy egny alavitra, die nagneky areo fa vahiny sy sesi-tany ety an-tany. 14Ho an'ireo ijay mijaka hôtran'ijany javatra ijany die magnajava fa mitady tanindrajagna areo.15Laha nieritreritre ny firenena ijay nelany areo, die mety nanagna fahafahana hiverigna. 16Fa tahaka ijany, nagniry firenena tsaratsara kokoa areo, ka ijany, ilay agny an-dagnitra. Noho ijany tsy mahamegnatra an'Andriamanitra ny vôantso hoe Andriamanin-dreo, ka nagnomagna tanàna hôn-dreo ijy.17Tamin'ny finôna Abrahama, laha efa nitsapaina, die nanolotra an'Isaka. Io no janagny lahy tokagna ijay natolone, ijy ilay nahajo ireo fampagnatenana. 18Tamin'i Abrahama no nilajana hoe: "Amin'ny alalan'Isaka no hanondrôna ireo taranakao." 19Abrahama die nihevitra fa Andriamanitra die hahavita hanangagan an'Isaka amin'ireo mate, ary amin'ny heviny amin'ny ohatre, avy tamin-dreo no hajahôny an'ajy indraike.20Tamin'ny finôna momban'ireo raha ho avy koa no nitsofan'Isaka rano an'i Jakoba sy Esao. 21Tamin'ny finôn'ny Jakoba, tamin'ijy efa ho faty, no nitso-drano ireo janak'i Josefa kiraidray avy. Nivavaka Jakoba, nitehigna tamin'ny lohan'ny fiokane. 22Tamin'ny finôna Josefa, laha efa narivo ny fefarany, no nivoria ny fengan'ny janak'Israely avy agny Egypta ary nagnafarany ny amin'ny tôlagne.23Tamin'ny finôna Mosesy, laha efa teraka ijy, die navonin'ireo ray aman-dreniny nandritry ny telo volagna satria hitan-dreo fa jaja tsara ijy. Tsy natahotra ny didin'ny mpanjaka areo. 24Tamin'ny finôn'ny Mosesy, tafaran'ny nahalehibe an'ajy, no nandà ny hangihana an'ajy ho janaka lahin'ny janaka vavin'i Farao. 25Fa koja, nisafidy ny hijaly niaraka tamin'ny vahôkan'Andriamanitra ijy, hôtran'ijay hankafy ireo fahafinaretan'ny fahotana mandritry ny fotôgna fohike. 26Nilaja ijy hoe ny fahafaham-baraka amin'ny fagnarahana an'i Kristy die harena angeja hôtran'ireo haren'i Egypta. Satria nampifantoka ireo masony tamin'ny valisoany ijy.27Tamin'ny finôna no nengan'i Mosesy tagny Egypta. Tsy natahotra ny havigniran'ny mpanjaka ijy, fa niaritra ijany hôtran'ny nahitany ilay tsy hita maso. 28Tamin'ny finôna no nitandremany ny Paska sy ny famafajana ny râ, ba tsy hikasika ny janaka lahimatoan'ireo Israelita ny mpandringagna ny janaka lahimatoa.29Tamin'ny finôna no nempitan-dreo ny Ranomasina Mena hôtran'ny mandia tany maigna. Laha efa nagnandragna nagnano ijany ireo Egyptiana, die vôteligna areo. 30Tamin'ny finôna no nirodagnan'ny mandan'i Jeriko, laha efa avy nihodidigna nandritry ny fito andro areo.31Tamin'ny finôna no tsy nahafaty an'i Rahaba ilay mpivarotegna niaraka tamin'ireo mpaniasia, satria nandray ireo mpisafo tany tamin'ny fiadagnana ijy.32Ino mandy koa no afaka Ilajako? Fa ho lany ny fotônko laha mivoria momban'i Gideona, Baraka, Samsona, Jefta, Davida, Samoela, ary momban'ireo mpaminagny aho. 33Tamin'ny alala'ny finôna no najahôn-dreo ny fanjakana, niasa ara-drarine, ary nandray ireo fampagnantenana. Nagnakombogna ny vavan'ireo liogna areo, 34namono ny herin'ny afo, nilefa ny lelan'ny mesa, nahafaka tamin'ireo aretigna, lasa nahery agn'ady, ary nandresy ireo tafika vahiny.35Nitsangagna tamin'ny maty tamin'ny fananganan-ko velogna ireo viave. Ireo hafa die nampijalina, tamin'ny tsy fagnekena ny famotsorana ba hajahôn-dreo fitsanganana tsara kokoa. 36Ny hafa die nitsapaina tamin'ny fagnesôna sy ireo famihana, eka fa na die ny fehy sy ny fagnagadrana aja. 37Nitilina vato areo. Nitsifaina hijara rolahiteo areo. Nirenireny tamin'ny hoditr'ondry sy hoditr'osy areo. Nahantra areo, nampihorohoroina, nampahorina.(Fagnamarihana: ny dikan-teny sasagny taloha die mivaky hoe: " Nitilina vato areo. Nitsifaina hijara rolahiteo. Nampandalovina fitsapana. Nivonina tamin'ny mesa.") 38Ijao tontolo ijao die tsy mendrika an-dreo. Nirenireny tagny agn'efitra, tagny amin'ireo tendrombohitra, tagny amin'ireo lava-bato, ary tagny amin'ireo lavaka ambanin'ny tany areo.39Kanefa ireny olo rehetra ireny die neken'Andriamanitra hôtran'ny finôn-dreo, tsy nandray ny fampagnantenana areo. 40Nanomagna javatra tsara kokoa hôn-tsena Andriamanitra, ba tsy ho lavorary areo, raha tsy misy antsena.
Chapter 12

1Noho ijane, satria antsena vôdidigna vavolombelogna rahabe hôtran'ny rahogna, die andao antsena hagnavela ny vesatra abiaby sy ny fahotana mora magnodidigna antsena. Andao antsena hiajakajake am-paharetana ny fiajakajahana ijay natoboke talohakantsena teo.2 Andao antsena hitandrigna amin'i Jesôsy, ny mpamôloha sy mpagnatontosa ny finôna. Fa lohon'ny hafaliena ijay natoboke talohane teo, die niaritra ny hajofijalena Ijy, tsy niraharaha ny hegnatr'ijane, ary nitoboke teo an-tagnan'ankavanan'ny seja fendrianan'Andriamanitra.3 Noho ijane eritrereto ny mahakasika an'Aje, ilay raike ijay niaritre fanoherana hôtran'ijane avy tamin'ireo mpagnota hanohitra ny tegnane, mba tsy ho vijake ao am-ponareo anareo ka hilavo lefogna.4Tsy mbola nanohitre anareo na niejaka hanohitra ny fahotana hatramin'ny falatsahan-drà, 5ary hadignonareo ny fampaherejana ijay nampenarina anareo hôtran'ny amin'ireo janake hoe: "Ry janako lahy, aja magnamevagna ny fitsipiky ny Tompo, na mihavijake laha aviline anareo."6 Fa ny Tompo magnafay ny abiaby ijay tiane, ary Ijy magnasajy ny janaka kiraidraike ijay resine.7Miareta fijaliena hôtran'ny fitsipike. Andriamanitra die mitondra anareo hôtran'ny janake. Fa janaka ino no teo ka tsy nifejin'iabane? 8Fa laha tsy managna fitsipika anareo, ijay anagnan'olo abiaby, die jajasary anareo fa tsy janagne.9Ary koa. nanagna an'iaba ara-nofo hôtran'ny mpagnafay antsena, ary magnaja an-dreo antsena. Tsy tokone hankatò loholohon' Iban'ny fagnahy ve antsena ary ho velogna? 10Fa etsy andagnine, ireo iabantsena nagnafay antsena nandritra ny andro vitsy araka ijay marina tamin-dreo.11 Nefa etsy ankilane, Andriamanitra nagnano ijane hôn'ijay tsara hôntsena mba ahafahantsena managna anjara amin'ny fahamasignane. Tsy misy famejana miseho ho mafinaritre, fa manaintaigna aja. Kanefa ijane afara kely die mamokatra ny vokatra feno fedagnan'ny fahamarignana hôn'ireo ijay nijarina tamin'ijane.12Noho ijane atanjaho ireo tagnanareo ijay misangevaheva sy ireo lohalikanareo maleme.13 Manôva lalagna mahitsy hôn'ny hongotrareo, mba ijay malemy die tsy hipitsoke fa ho sitragna aja.14Magninjeha fedagnana miaraka amin'olo abiaby, ary ny fahamasignana mandy koa ijay tsy hitan'ija n'ija ny Tompo laha tsy miaraka amin'ijane. 15Mitandrema mba tsy hisy n'ija n'ija tsy hanagna ny fahasoavan'Andriamanitra, ary tsy hisy vahan'ny fangidiana mitombo hiterake savorovoro, mba tsy ho rahabe no hanjary vôloto amin'ijane. 16Mitandrema mba tsy hisy fijangajangana na olo tsy an'Andriamanitra hôtran'i Esao, ijay nivarotra ny fijokiane hôn'ny hanina raike. 17Fa anareo mahafantatra fa laha afake ijane, laha nagniry ny handova ny fitahena ijy, die tsy nakena, satria tsy nahita hirike amin'ny fibebahana ijy, na die nandrembe ijane tamin-tomagne aja.18Fa anareo tsy avy teo amin'ny tendrombohitre ijay tsy ajo kitihina, tendrombohitry ny afo magnoro, hejigna, fahamejignana, ary tafiotre. 19Anareo die tsy avy teo amin'ny trompetra magneno mahare, na teo amin'ny feo ijay mijaka ireo jaka ijay ny mpiheno ijane die nangatake mba tsy hisy jaka hafa ho vorianina amin-dreo. 20Fa areo tsy afake niaritre ijay nididina hoe: "Fa na die ny biby mikitike ny tendrombohitra aja, die tsy mentsy hitilina vato ijane." [Fagnamarihana: Ireo dikanteny saragne talohaka die mivaky hôtran'ijao: "Fa na die biby raike ijay mikitike ny tendrombohitre aja, die tsy mentsy hitilina vato ijane na hivonina amin'ny jana-tsipike."]21 Fa mampatahotre lôtre ilay fahitana ijay nivorianin'i Mosesy hoe: "Mangorohoro iaho sady magitakitake."22Fa anareo koja, die avy teo amin'ny tendrombohitre Jiona ary teo amin'ny tanànan'Andriamanitra velogna, ny Jerosalema agne an-dagnitre, ary teo amin'ireo anjely agn'align'aligna tamin'ny fankalajàna.23 Anareo die avy teo amin'ny antokon'olon'ny vôlohan-terake, ijay vôsoratre agnarana agne an-dagnitre. Anareo die avy teo amin'Andriamanitra, ilay Mpitsara ny abiaby, ary teo amin'ireo fagnahin'ireo olon'ny fahamarignana ijay namboarina tonga lafatre.24 Anareo die avy teo amin'i Jesôsy, ilay mpagnalalagna ny fagnikena vaovao, ary teo amin'ny rà latsake ijay tsara lavitre loholohon'ny ràn'i Abela.25Ôka anareo tsy handà ilay raike ijay mijaka. Fa laha tsy nilefa areo tamin-dreo nandà ny raike ijay nampitandrigna an-dreo tetiky an-tany, die kitike loholoho no hilefantsena laha mivadike amin'ilay raike ijay mampitandrigna antsena avy agne an-dagnitre antsena. 26Tamin'ny fotôgna raike, ny feone nagnojongojogna ny tany. Fa amin'ijao fotôgna ijao Ijy nampagnantegna sy nijaka hoe: "Mbôla hagnojongojogna indraike mandeha tsy ny tany mady iaho, fa ny lagnitre mandy koa.''27Ireo jaka ireo, ''Indraike mandeha koa", die midika ny famindrana ireo raha ijay afake hojongojognina, ijane die , ireo raha ijay niforognina, mba hitoboke ireo raha ijay tsy ajo hojongojognina.28 Noho ijane, satria mandray fanjakana ijay tsy ajo hojongojognina, die ôka ho mpankasitrake antsena ary amin'ijane fomba ijane die hidera an'Andriamanitra am-pagnajàna fatratre sy amin-tahotre.29 Fa ny Andriamanitrantsena die afo mandevigna.
Chapter 13

1Ôka hitohy ny fitiavana ara-pirahalahina.2 Aja magnadigno ny fampetragnona ny vahiny. Fa tamin'ny alalan'ijany, no naharegnesan'ny sasane fampetragnoana ny anjely nefa tsy fantany ijany.3Tsarovy ny vôgadra, hôtra ny hoe niara-nifatotre tamin-dreo anareo. Tsarovy ny ijay nampahoriana , hôtra ny hoe an-dreo mandy koa anareo amin'ny vatagna. 4Ôka ho hajain'ny tsiraidraike ny fanambadiana. Ôka ny fandren'ny fanambadiana mba hadio, fa Andriamanitre die hitsara ny mpangala-badin'olo sy ny mpijangajanga.5Apetrahy ny fitondran-tegnareo ho afake amin'ny fitiavam-bola. Mifalia amin'ny raha je agnanareo, satria Andriamanitre tokôtre die nijaka hoe: ''Iaho die tsy handao mihitsy, na hafoy anareo akory.'' 6Aleo tsena ho faly mba ha saky hijaka hoe: ''Ny Tompo no Mpamonjiko; ka tsy hangoaigna iaho. Ino no ajon'olo atao aminahy?''7Hevero ny mpitarike anareo, ny je nijaka ny Tenin'Andriamanitre taminareo, die hevero ny vokatrin'ny fihetsikan-dreo. Alay hôtra ny finoan-dreo .8 Jesôsy Kristy die tsy miova maly, sy androany, die mandrakizay.9Kaja magneka tômina amin'ny karazana fampenarana hafahafa. Fa tsara raha tokone hamafisina amin'ny fahasoavana ny fo, fa tsy amin'ny hanina ijay tsy magnampy ny je mandeha miarake amin-dreo.10 Atsena die managna alitara jay tsy agnanan'ireo je manompo ny tabernakely fahefana hihinagna. 11Fa ny ràn'ny biby nivonoina atao fagnatitre ho an'ny ota die nindaon'ny mpisoronabe tao amin'ny toerana masina, mandritr'ijany ny vatagnan-dreo die nirôna tagny ivelan'ny toby.12Noho ijany Jesôsy mandy koa die nijaly tagny ivelagn'ny vavahadin'ny tanàna, mba hanamasinany vahôke amin'ny alalan'ny ràne manokana.13 Andao antsena noho ijany ho agny Aminajy agny ivelan'ny toby, hitondra ny fahafaham-barakane. 14Fa tsy managna tanàna maharite antsena ety. Fa koja, mandigny ny raike ijay ho avy antsena.15Amin'ny alalane, ary, die andao antsena hanolotre ny fanati-piderana ho an'Andriamanitre hatrany, fiderana vokatry ny molotra ijay magneke ny agnarany.16 Aleo tsy adinointsena ny manao ny tsara sy manampy ny tsiraidraike aby, fa amin'ny fanatitre hôtra ijany no tena mahafaly an'Andriamanitre.17 Mankatoava sy magneke ny mpitarike anareo, fa an-dreo no miahy ny fanahinareo, hôtra ny ijay hanao tatitre. Mankatoava mba hanao ijany am-pifalina ny mpitondra anareo, fa tsy am-pisentoana, ijay lasa tsy misy dikany ho anareo.18Mivavaha ho anay, fa ahay die nino fa manana feon'ny fieritreretana madio die magniry hiaigna am-pahamarinana ny raha abiaby. 19Manosike anareo bebe kokoa aja iaho mba hanao ijany, ka mba hiverina malaky aminareo iaho.20Die ny Andriamanitry ny fiadanana, ijay nanangana tamin'ny maty ny mpiandry ondry angeza, ny Tompontsena Jesôsy, tamin'ny alalan'ny ràn'ny fanekena mandrakizay,21 die hanatsara anareo amin'ny asa tsara aby mba hanôvana ny sitrapone. Ijy anie hiasa ao agnatintsena ijay tena ankasitrahana eo anatrehany, amin'ny alalan'i Jesôsy Kristy, ijay homena ny voninahitre mandrakizay. Amena.22Die mankahery anareo iaho, ry rahalahy, mba hijaka ny tenin'ny fampaherezana ijay nosoratako fohy ho anareo. 23Fantaro fa efa nafahana Timoty rahalahintsena, ijay hiarake aminahy hijaha anareo laha avy aloha ijy.24Atôvy veloma ny mpitarile anareo abiaby sy ny mpino manontolo. Ny jay avy agny Italia die manao veloma anareo. 25Ho aminareo abiaby anie ny fahasoavana.

James

Chapter 1

1Jakôba, mpanompon'Andremanitre sy Tompo Jesôsy Kristy, hônireo foko roembifolo niparitake: arahaba.2 Reso ho fifalena aby jane, ry rahalahy, laha misedra olagna samy hafa anareo.3 Fantatrareo fa tsy fitsapana ny finônareo die mahatonga faharetana.4Avilay ny faharetana hahatanteraka ny asane, ba tena hivôtra sy ho feno tokôtre anareo, ka tsy hijaly n'ino n'ino. 5Fa laha misy aminareo mila fahendrena, ôka ijy hangataka anijay amin'Andremanitre, ilay raike ijay magnome ansitram-po sy tsy mandatsa ijay rehetra mangatake, ary ameny anaje ijany.6Fa abilay ijy hangatake amin'ny finôna, tsy miahotrahotre na amin'ino na amin'ino. Fa ijay miahotrahotre die hôtran'ny onjan-dranomasina ijay indôsin'ny rivotre sy mitopatopake. 7Fa ijany olo ijany die tsy tokone hieritreritre ny hahajo ninoninona avy laha tamin'ny Tompo. 8 Ny olo tahaka anijany die miroiroy saigna, miovaova amin'ny lalagny manotolo.9Ôka ny rahalahy misotry hagnano ny fisandrotane ho reharehane,10 fa ny olo manan-karena amin'ny fietreny, satria ijy die hilofika hôtran'ny vonikajo-dia egny amin'ny ahitre.11 Fa ny masoandro die niposake amin'ny hafanana mahamay ary magnamaigna ny ahitra. Ny vonikajo die mihitsangna ary ny hatsarane die ho levogna.Hôtran'ijay koa, ny olo manankarena die halajo egny amin'ny ansasaky ny diene.12Sambatra ny olo jay miaritre ny fitsapana satra laha avy nandalo fitsapana ijy, die handray ny satro-boninahitry ny fiegnana, ijay nampagnatenaina tamindreo ijay tien'Andremanitre.13 Laha misy halaim-pagnahy die ôka ijy tsy hijaka hoe: "Andremanitre no nangala fagnahy anahe," satria Andremanitre tsy ajon,ny ratsy alaina fagnahy, sady tsy mangala fagnahy na amin'ija na amin'ija.14Fa samy alaim-pagnahy amin'ny fagnireny manokagna ny olo isanisane, ijay mampihemotre sy mandresy anaje.15 Laha avy potepotehina ny fagnirena, die miteraka fahotana ijany. ary laha mitombo tanteraka ny ota die miteraka fahafatesana.16 Aja magneky ho fitahina, ry rahalahy malalako.17Ny fagnomejana tsara manotolosy ny famonjena tonga lafatre rehetra die avy hatagne ambone. Ijay die midigna avy amin'i Rain'ny fahajavana. miaraka aminaje die tsisy fovana na aloke nohon'ny fihodignana. 18Andremanitre die nifidy ny hagnome fahaterahana antsena amin'ny tenin'ny fahamarinana, ba ho karajagna vôloham-bokatry ireo raha manotolo ijay niforognintsena.19Fantatrareo ijany, ry rahalahy malalako: ôka ny olo manotolo halaky hiheno, tsy hijaka malaky, ary tsy halaky ho vignitre.20 Fa ny havigniran'ny olo die tsy hahavita ny fahamarinan'Andremanitra. 21Ka die alay ny fahalotôna rehetra sy ny faharatsena manotolo. Amim-pagnetre-tegna die reso ny teny efa napetrake, ijay afaka mamonjy ny fagnahinareo.22Ôka ba hiteno-jaka anareo fa tsy mpiheno fotsiny mandy, ka mamitaka ny tegnanareo.23 Fa laha misy mpiheno ny teny nefa tsy magnarake, die hôtran'ny olo ijay mandinke ny tarehine vôjagnahary agnaty fitaratre ijy. 24Mandinika ny tegnany ijy ka mandeha aviteo ary tonga die magnadigno ny momba anaje. 25Fa ny olo ijay mandinika tsara ny lalàna ny fahafahana tongalafatre, sy manohy mambôtra ijane, fa tsy hoe mpiheno fotsiny ijay magnadigno, die ho tahina amin'ny asany ijany olo ijany.26Laha misy mihevi-tegna ho mpivavake, nefa tsy mifehy ny lelany, die mamitake ny fony ijy, ary tsisy vidiny ny fivavahane.27 Ny fivavahana madio sady tsy misy pentigna ao alohan'Andremanitre sy ny Raintsena die ijao: hagnampy ireo kamboty sy ireo mpitondra tegna amifajalen'ijy ireo ary miaro tegna ba tsy hisy pentigna avy amijao totolo ijao.
Chapter 2

1Ry rahalahiko, aja mitagna ny finôna an'i Jesôsy Kristy Tompontsena,Ilay Tompon'ny voninahitra, amin'ny fengarana amin'ny olo saragne. 2Atôvy hoe misy olo miditra ao amin'ny fivorianareo magnano peratra volamena sy akanjo tsara, ary misy lelahy misotry mandy koa miditra magnano akanjo maloto. 3Laha mitsirika ilay olo mekanjo tsara anao die mijaka hoe: ''Ajafady mitoboha eto amin'ny fipitrahana tsara,'' fa hijaka amin'ilay lelahy misotry hoe: "Mitsangana anao eriky," na hoe: "Mitoboha eto an-tongotro," 4moa tsy mifampitsara samby anareo anareo? Moa tsy lasa mpitsara amin'ny eritreri-dratsy anareo?5Mitenoa, ry rahalahy malalako, tsy efa nifidin'Andriamanitra ve ny misotrin'ijao tontolo ijao mba hanankarena amin'ny finôna sy mba ho mpandova ny fanjakana ijay nampagnantenaine ireo ijay tia an'Ajy? 6Fa anareo die nangalabaraka ny misotry! Sa tsy ny mpanakarena ve no mampijaly anareo? Sa tsy areo ve no mitarika anareo amin'ny fitsarana? 7Sa tsy areo ve no nagnaratsy ny agnarana tsara ijay anareo?8Na ijany aja, laha magnatanteraka ny lalàn'ny mpanjaka anareo, araky ny Soratra Masina hoe: "Tiavo ny akamanao hôtran'ny tegnanao," die magnano ny tsara anareo.9 Fa laha magnome sitraka ny olo saragne koja anareo, die manota, ka vôheloke hôtran'ny mpandika lalàna.10Fa n'ija n'ija magnaja ny lalàna abiaby, nefa lavo amin'ny lalàna raika mandy, die ho meloke amin'ny lalàna abiaby. 11Fa ilay nijaka hoe: "Aja mijangajanga," die nijaka mandy koa hoe: "Aja mamono olo." Laha tsy mijangajanga anareo, nefa mamono olo, die manjary mpandika lalàna.12Noh'ijany mijakà sy magnamboara hôtran'ireo ijay ho tsaraina amin'ny lalàn'ny fahafahana. 13Fa ny fitsarana die avy tsy misy famindram-po amin'ireo tsy nagnatoro famindram-po. Ary ny famindram-po die mandresy ny fitsarana.14Ino no soa, ry rahalahiko, laha mijaka ny olo raike fa manam-pinôna ijy, nefa tsy misy asa? Afaka hamonjy an'ajy ve ijany finôna ijany? 15Atôvy hoe misy rahalahy sy anakavy ratsy fekanjo sy tsy ampy hanina isan'andro.16 Atôvy hoe misy raike aminareo mijaka amin-dreo hoe: "Mandihana am-pedagnana, manôva mafana ary mivokisa." Laha tsy magnome an-dreo ny raha ilain'ny vatagne anareo, ino no mahatsara ijany? 17Die hotr'ijay koa ny finôna, laha tsy misy asa ijany, die mate.18Nefa mety misy olo mijaka hoe: "Manam-pinôna anao, ary iaho managn'asa." Atoroy anahy ny finônao tsy misy asa, die hatoroko anao ny finôko amin'ny alalan'ny asako. 19Anao die mino fa raika mandy ny Andriamanitra; tsara ijany ataonao ijany. Fa na die ireo demonia aja mino ijany, ka die nangitakitake areo. 20Tianareo ho fantatra ve, ry lelahy môla, fa ny finôna tsy misy asa die tsy misy ilàna an'aje? [Fagnamarihana: Ny dikan-teny taloha saragne die mamaky hoe: "Tianareo ho fantatra ve, ry lelahy môla, hoe nagnino ny finôna tsy misy asa no mate?"]21Tsy tamin'ny asa koa ve no nagnamarinana an'i Abrahama iaban-tsena laha nagnome an'Isaka janagny lahy teo amin'ny alitara ijy? 22Hitanao fa ny finôna die niasa niaraka tamin'ny asane, ary amin'ny asa die nivôtre tanterake ny finône. 23Die tanteraka ny Soratra Masina ijay mijaka hoe: "Abrahama nino an'Andriamanitra, ka ho nisaina tamin'ajy ho fahamarignane ijany," ary ijy nangihina hoe akaman'Andriamanitra.24 Hitanareo ijao fa amin'ny asa no hagnamarinana ny olo, fa tsy amin'ny finôna mande.25Hôtran'ijay koa, Rahaba mpivaro-tegna tsy nohamarignina tamin'ny asa koa ve ijy, laha nandray ireo iraka sy nandefa an-dreo tamin'ny làlan-kafa? 26Fa maty ny tegna laha misaraka amin'ny fagnahy, die hôtran'ijany koa, ny finôna tsy misy asa die mate.
Chapter 3

1Tsy olo rahabe ny tokony hanjary mpampiantre, ry rahalahiko. Fantantsena fa handray fitsarana mafy kokoa antsena. 2Fa antsena manotolo die tafitohigna amin'ny fomba maro. Laha misy tsy tafitohigna amin'ireo teny, die lelahy matotra tokôtre ijy, afaka mifehy na die ny tegnane remanotolo aja.3Ary laha lamboridy eo ambavan'ny ireo sôvaly ba hankatoavan'ijy ireo antsena, die afaka mitondra ny vatagnijy ireo remanotolo koa antsena.4 Jahay mandy koa fa ireo sambo, na die lehibe tokôtra aja ijy ireo ary indôsin'ny rivo-mahery, vôvilin'ny familena tena kely agny amijay rehetra tien'ny mpagnamory.5Toy ijany koa ny lela die ratsagna kely amin'ny vatagna, Kenefa ijy die mihambo raha be. Jahay mandy koa ny habitiky ny afo ijay mangnoro ala be.6 Ny lela mandy koa die afo, tontolon'ny fahotana napetraka teo amin'ny rantsam-batan-tsena. Ijany die magnisy pentipetigna ny vatagne remanotolo ary magnoro ny lalam-piaignana. Arehitry ny helo ny tegnany.7Fa ny karanjan-bibi-dia manotolo, vorogna, bibi mandady, ary java-boarin-dranomasina die folake ary nifolahin'olombelogna.8 Fa mahakasika ny lela, tsy misy olo mahavita mamolaka anijany. Io die ratsy tsy mety fihejina, feno poijina mahafaty.9Amin'io no hiderantsena ny Tompo sy ny Ray, ary amin-'io ny hanitsihantsena ny olo, ijay namboarina mitovy tamin'Andremanitre. 10Avy amijany vava ijany mandy ny hiboahan'ny fitahena sy ny fanitsihana. Ry rahalahiko, tsy tokony hitranga ireo raha ireo.11Moa ny loharano ve mamôka rano mamy sy mafaika avy amin'ny fiboahany? 12Moa ny hajon'ny aviavy ve, ry rahalahiko mamoa oliva? Na ny vôloboke, mamoa aviavy? Ny ranomasina koa die tsy mety hagnome rano mamy.13Ija no hendry sy mahalala eo agnivonareo? Abelao ijany olo ijany hampiseho fiegnana tsara amin'ny asany amin'ny fagnetrentegnany fahendrena.14 Fa laha managna felognana mafaika anareo ary fanirian-daja ao am-ponareo, die aja mihambo na mivandy manohitra ny marina.15Ijany die fahendrena ijay midigna avy agny ambone. Fa koja, avy amin'ny tany, ny tsy aram-pagnahy, ny demoniaka ijany.16 Fa agny amijay misy felognana sy fagniren-daja, die misy fifanjevôna sy fanôvany ny ratsy manotolo.17 Fa ny fahendrena laha tagny ambony die madio aloha, aviteo feno fedanana, maleme fagnahy, mihevitra ny hafa, feno famindram-po sy vokatra tsara, tsy maleme, ary tsotra.18 ny vokatry ny fahamarinana die vôfafy ampiadagnana eo agnivon'ireo ijay mampihavana.
Chapter 4

1Avy taja neven'ireo ady sy fifandirana eo aminareo? Moa ve ireo tsy avy amin'ny fagnirenareo ijay miady amin'ny mpikambagna eo agnivonareo? 2Magniry anareo, nefa tsy managna. Mamono sy mitsiriritra anareo,nefa tsy afake ny hahajo. Miady sy mifanditra anareo. Tsy managna anareo satria tsy mangatake. 3mangatake anareo nefa tsy mahajo satria ratsy fangatake, ba hahafahanareo mampiasa anijany ho amin'ny fagnirenareo.4Anareo ry Mpijangajanga! Moa tsy fantatrareo ve fa ny fisakejana amin'ijao totolo ijao die fandrafena manohtra an'Andremanitre? Koa na ija na ija te ho sakejan'ijao totolo ijao die magnano ny tegnany ho vahavalon'Andremanitre.5 Sa anareo ve mieritreritre fa ny soratra masina die mijaka java-pôgna hoe: "Ny fagnahy ijay namboariny niaigna tao amintsena die serom-piaro lôtra"?6Fa Andremanitre magnome fahasoavana bebe kokoa, noho ijany die hoy ny soratra masina hoe: "Andremanitre manohitre ny mpirehareha, fa magnome fahasoavana ny mpanetritegna 7"Ka magneky an"Andremanitre. Tohero ny devoly die hilefa anareo ijy.8Magnarovosa an'Andremanitre, die hagnarivo anareo ijy. Sasao ny tagnanareo, ry mpanota, ary sasao ny fonareo, ry mpiroe saigna. 9Malahelova, misôgnà, die mitomagnia! Ôka ny fihehejanareo hody fitomagnena, ary ny hafalenareo ho fanjoretana. 10Manetre-tegna eo agnatrehan'ny Tompo, die hanandratre anareo ijy.11Aja mifagnaratsy anareo, ry rahalahy. Ny olo ijay magnaratsy ny rahalahy na mitsara ny rahalahy die manohitre ny lalàna ary mitsara ny lalàna. Laha mitsara nylalàna anareo, die tsy mpankàto ny lalàna, fa mpitsara.12 Raika mandy no magnome lalàna sy mitsara. Ijy ilay afaka mamonjy sy mandringagna. Ija moa anao, ijay mitsara ijay mitsara ny akamanao?13Koa mitenoa, anareo je-mijaka hoe: " Niany na ampitso hiditre ato amitoy tanàna toy antsena, hijanogna heritaogna agny, hanao varotra, die hangala tombone.14 "Ija no mahalala ijay hitranga ampitso, ary ino ny fiegnanareo? Fa javogna mipoitra vetivety anareo ary aviteo die levigna.15Fa koja, tokony hijaka anareo hoe: "Laha sitraky ny Tompo, die ho velogna antsena ary hagnano anitsy na hagnano an'ny rôy.16 "Fa ankehitriny anareo die mirehareha amireo tetika mieboebo. Ny fireharehana rehetra hôtran'ny jay die ratsy.17 K a hônijay rehetra mahalala magnano ny tsara nefa tsy magnano anijany die heloka hônaje ijany.
Chapter 5

1Avia, anareo ijay manan-karena, mitagnia sy mitabatabà nohon'ireo fijaliana avy aminareo. 2Ny harenanareo efa lo ary ny akanjonareo efa nohanin'ny kalalao.3 Ny volamenanareo sy ny volafotsinareo efa harifesina. Ny harifesina die ho vavolombelogna hitory anareo. Handoro ny fonareo hôtran'ny afo ijany. Nampiriminareo ny harenanareo ho amin'ireo andro farane.4Indro, ny karaman'ireo mpiasa die mitaraigna ny karama ijay nitajoninareo tsy hôn'ireo ijay nampamokatra ny tsahanareo, ary ireo fitaraignan'ny mpambele die efa avy agny an-tadignin'ny Tompon'ny maro. 5Nivelogna tamin'ny harena teto an-tany anareo ary nagnararaotre tamin'ny tegnanareo. Natavejinareo ny fonareo hôn'ny andro famonoana. 6Nagneloke sy namono ny olo-marina anareo. Tsy namaly anareo ijy.7Koa mendrasa, ry rahalahy, mandram-pahavin'ny Tompo. Indro,ny mpamboly mandigny ny vokatra sarobidy avy amin'ny tany. Mandigny am-pahadignasana ijany ijy, madrapajahoan'ijany ny vôlohany sy ny faran'erike. 8Anareo, mandy koa, mendrasa. Ampaherejo ny fonareo, satria efa mariny ny fevian'ny Tompo.9Aja mifampitaraigna, ry rahalahy mba tsy ho tsaraina anareo. Indro, ny mpitsara mitsangagna eo am-baravaragna. 10Mangalà ohatra, ry rahalahy, avy amin'ny fijaliana sy ny fahadignasan'ireo mpaminany, ireo ijay nijaka tamin'ny agnaran'ny Tompo. 11Indro, ataontsena hôtrany sambatra ireo ijay efa nahadigny. Efa regninareo ny fahadignasan'i Joba, ary fantanareo ny tanjon'ny Tompo, ny maha-feno falahelovana sy famindram-po an'Aje.12Fa ambonin'ny abiaby, ry rahalahiko, aja mifanta, na amin'ny lagnitra na amin'ny tany, na amin'ny fifantana hafa. Fa koja, ôka ny jakanareo hoe: "Ieka" ho "Ieka" ary ny "Tsiare" ho "Tsiare", mba tsy hiditra amin'ny fitsarana anareo.13Misy olo ve eo aminareo sahiragna amin'ny ady mafy? Ôka ijy hivavake. Misy olo faly ve?Ôka ijy hihira fiderana. 14Misy marary ve eo afovônareo? Ôka ijy hangaika ny loholon'ny fengonana, ary ôka areo hivavaka hôn'aje. Ôka areo hagnosotra menaka an'aje amin'ny agnaran'ny Tompo.15 Ny fivavaka ny finôna no hagnasitragna ilay olo marare, ary ny Tompo hanangagna an'aje. Laha nagnota ijy, die hamela an'ajy Andriamanitra.16Ka mifagnike heloka anareo, mifampivavaha mba ho sitragna anareo. Ny vavaka ataon'ny olo-marina die tena mahery amin'ny fiasane. 17Elia die lelahy nitovy tamintsena mandy. Nivavaka mahare ijy mba tsy hilatsahan'ny erike, die tsy nilatsaka tamin'ny tany nandritra ny telo taogna sy enimbolagna ijany. 18Avy teon'igne nivavaka ndraike Elia. Ny lagnitra die nagnome erike, ary ny tany namoa ny vokane.19Ry rahalahiko, laha misy eo aminareo miala amin'ny fahamarignana, die misy raike mampody an'ajy, 20die tokony ho fantatr'io olo io fa n'ija n'ija magnitsy ny mpanota raike amin'ny làlan-diso die hagnavotra an'ajy amin'ny fahafatesana, sady hanototre fahotana manontolo.

1 Peter

Chapter 1

1Petera, apostolin'i Jesôsy Kristy, ho an'ny janake am-pelezana, ny jay vôfidy, magneragna an'i Ponto, Galatia, kapadoka, Asia, die Bitynia. 2Ijany die araka ny fantatr'Andriamanitre Iaba meloha, vôtokan'ny Fanahy ho fankatoavana sy ho famafajana ny ràn'i Jesôsy Kristy ho aminareo anie ny fahasoavana, die hitombo anie ny fedagnanareo.3Ho tahina anie Andriamanitra Iaban'i Jesôsy Kristy Tompontsena. Tamin'ny famindram-pone, no nagnomejana antsena fahaterahanareo vaovao ho an'ny fahatokisan'ny lova. Ijany lova ijany die tamin'ny alalan'ny fitsanganan'i Jesôsy Kristy tamin'ny mate.4 Ijany die ho an'ny lova iajy tsy faty, tsy hy hivetrake, die tsy ho levogna. Ijany die vôtokana ho anareo agny an-dagnitre.5 Anareo die arovan'ny herin'Andriamanitre amin'ny alalan'ny finona, ho an'ny famonjena ijay efa vognona ho ambara amin'ny fotôgna farane.6Tena falifaly makasika ijany anareo, na die ilainareo aja ny hahatsiaro malahelo amin'ny olagna rahabe samiy hafa amijao. 7Ijany die ho an'ny fagnaporofona ny finonareo, ijay manambatreke kokoa noho ny volamena jay mivetrake, na die nosedraina tamin'ny afo aja. Miboke ijany, mba ho hita ny vokatry ny finonareo amin'ny fiderana, voninahitre, die haja amin'ny hiboahan'i Jesôsy Kristy.8Tsy nahita Anajy anareo, fa ny tia Anajy. Tsy mahita anajy anareo amijao, fany mino Anajy die tena faly amin'ny fifaliana tsy hay jakana, matsatsara.9 Resinareo amijao ny vokatry ny finoanareo, die ny famonjena ny fagnahinareo. 10Ireo mpaminany die nikaroke sy nagnadigna tsara ny mikasika ijany famonjena ijany, ny mikasika ny fahasoavana ijay ho anareo11An-dreo die nandrembe ny hahafantatre ny momban'ny hoe ija sy vena ny Fanahin'i Kristy ao amin'dreo no nijaka tamin'dreo. Ijany die tranga hôtra ny nilazane ajy ireo meloha momba ny fijalian'i Kristy sy ny voninahitre magnaraka ijany.12 Nambara tamin'dreo ijany mba tsy hanompo ny tegnany an-dreo, fa anareo, rehefa nijaka ny raha ijay vôlaza tamin'ny alalan'ny Fanahy Masina nalefa laha tagny an-dagnitre-- raha ijay tian'ny anjely ho hantatre.13Noho ijany omagno saignareo. Mihonona tegna. Mametraka fitokiana amin'ny fahasoavana ijay hy ndao eo aminareo amin'ny hisehoan'i Jesôsy Kristy. 14Amin'ny maha-zanake mpankàto, aja mampifanarake ny tegnanareo amin'ny fagnarianaijay narahinareo tamin'ny mbola tsy nahalala anareo.15Fa hôtra ny raike jay nagnatso anareo hoe masina, anareo, mandy koa, ôka ho masina amin'ny fitondran-tegnanareo manontolo. 16Fa vôsoratre hoe: ''Ôka ho masina, satria masina Iaho.'' 17Ka raha magnatso ny raike tsy misy fanavakavahana arake ny asan'olo kiraidraike aby hoe: ''Baba'' anareo, die handany ny fotôgn'andronareo amin'ny fanehoana fagnajana.18Fantatrareo fa tsy avy tamin'ny volafotsy na volamena mety levogna no angnavotana anareo tamin'ny fitondran-tena môla ijay nianaranareo tamin'ny razagnanareo. 19Fa koja, navotana tamin'ny rà sarobidin'i Kristy anareo, ijay hôtra ny zanak'ondry tsy misy kilema na tsigny.20Vôfidy talohan'ny nananganana an'ijao tontolo ijao Kristy, fa ankehitriny die tamin'ny fotôgna farane no nagnambarana Anajy taminareo.21 Amin'ny alalany no hinoanareo an'Andriamanitre , ijay nananganana anajy tamin'ny maty sy tamin'ny nomeny voninahitre mba ho ao amin'Andriamanitre ny finoana sy fahatokianareo.22Nagnadio ny fanahinareo tamin'ny fankatoavana ny fahamarinana anareo. Ijany die ho an'ny fitiavana ara-piralahina madio; noho ijany mifankatiava fatratre amin'ny fo. [Fagnamarihana: Ireo dikan-teny sasane die mivaky hoe: ''Nagnadio ny fanahinareo tamin'ny fankatoavana ny fahamarinana tamin'ny alalan'ny Fanahy anareo''] 23Tanterake indraike anareo, tsy avy amin'ny voa mety maty, fa avy amin'ny voa tsy mety maty, amin'ny alalan'ny tenin'Andriamanitre velona sy mitoetre.24Fa ''ny nofo abiaby die hôtra ny ahitre, die ny voninahine manontolo die hôtra ny voninkazon'ny ahitre. Maigna ny ahitre, die malazo ny voninkaza, 25fa ny tenin'ny Tompo die mipetrake mandrakizay.'' Ijany vaovao mahafaly ijay nambara taminareo.

Chapter 2

1Noho ijany areo ny ratsy manontolo, ny fahadisôm-pagnatenana manontolo, ny fetsaram-belatsihy, ny fagniriena, die ny fagnendrikendrehana manontolo. 2Hôtrany ny jaja vô terake, magniry ronono ara-pagnahy madio, mba hahafahanareo mitomboao amin'ny famonjena amin'ny alalan'izany,3 laha mahatsapa anareo fa tsara fagnahy ny Tompo.4Magnatogna anazy ny vato velogna izay narian'olo, fa vôfidin'ny Andriamanitra ho manan-danja Aminaze.5 Anareo mandy koa de hôtran'ny vato velona izay vôarina ho tragno ara-pagnahy, mba ho mpisorona masina izay manompitra ny sorona ara-pagnahy eken'Andriamanitra amin'ny alalan'ny Jesôsy Kristy.6Ny soratra Masina die ahitana izao : "Indro, Iaho mipetraka amin'ny jiona vato fehizoro, vôfidy sy manan-danja. Izay manontolo mino Anaze die tsy ho megnatre."7Ny voninahitra noho izane die ho anao izay mino, kanefa,"Ny vato naren'ny mpagnano tragno, izany die nagnamboarana fehizoro" 8Ary, vato nahatafatohigna sy vatolampy mahalavo. Tafatohigna areo, tsy miteno ny zaka, izay voatokagna ho andreo mandy koa.9Fa anao die olom-bôfidy, mpisoron'ny mpanjaka, fierenena masina, olo ho an'ny fagnanan'Andriamanitra, mba ho afaka ambara ny hatsaran'ny asan'ny raike izay nangaikanao avy tao amin'ny hezigna handeha ao amin'ny hazavana mahazendagna anao. 10Taloha anao tsy olo, kanefa amin'inzao anao die olon'Andriamanitra. Tsy mandray famindram-po anao fa amin'nizao anao mandray famindram-po.11Ry malala, nangaika anareo hôtran'ny vahiny sy mpirenireny iaho mba hifady ny filan'ny nofo, izay mahavy ady manohitra ny fagnahinareo. 12Tokony managna fitondran-tena tsara anareo eo amin'ny jentilisa mba ho, laha mivoria momba anareo ho nagnano raha ratsy anareo, die tokony ahita ny asa tsaranareo sy hankalaza amin'ny andro izay heveny.13Hankatoavy ny fahefan'ny olombelona aby daholo noho ny amin'ny Tompo. Hakantoavy hôtran'ny ambony indrindra ny mpanjaka, 14sy ny governora mandy koa, izay nalefa mba hagnasazy ny mpagnano ratsy sy hankalaza ireo izay magnano ratsy. 15Fa izay no sitrapon'Andriamanitra, amin'ny fanôvana ny tsara anareo die mampangigna ny voria tsy mahalala fomba ny olo-môla 16hôtran'ny maha- olon'afaka, aza ampesana hôtran'ny fandrakofana fahalemena ny fahafahanao fa ôka hôtran'ny mpanompon'Andriamanitra. 17Omeo voninahitra ny olo aby daholo. Tiavo ny firahalahina. Matahora an'Andriamanitra.Omeo voninahitra ny mpanjaka.18Ry mpanompo, meteza hagneky ny Tomponareo amingny fagnajana manontolo. Aza magneky ho mpanompon'ny tsara sy ho Tompo tsara fagnahy, fa ho an'ny ratsy toetra mandy koa. 19Satria mendri-piderana izany laha misy miaritra fanaitagnana laha efa mijaly amin'ny tsy rariny noho ny fagnantegnany an'Andriamanitra. 20Fa hôtrino ny vola laha manota anao die miaritra mandritra ny fagnasajiena anao, die mendri-piderana an' Andriamanitra izane.21Fa noho itoy no nangihana anao, satria Kristy mandy koa die nijaly ho anao. Namela ohatra anao izany mba hagnarahana ny lalane. 22Tsy manonta izy, na hoe misy fitala tam-bavane.23 laha nizakana ratsy izy, die tsy namaly ratsy laha nijaly izy, die tsy nitrerogna, fa nanolotre ny tegnane tamin'ny raike izay mpitsara ampahamarinana.24Izay tegnane die nitondra ny fahotantsena tao amin'ny tegnany ho eo ambony hajo, mba tsy hanagna anjara amin'ny fahotana koa antsena, ary mba hiaigna ho an'ny fahamarinana. Tamin'ny alalan'ny ratrane no nahafake anareo.25 Nitotototo hôtran'ny ondry vere anareo aby daholo, fa ankehitriny anareo niverigna tamin'ny mpiandry tamin'ny mpiandry ondry sy mpiambigna ny fagnahinareo.
Chapter 3

1Amin'ijany fomba ijany, anareo viavy die tokony hagneky ny vadinareo. Atôvy ijany na die misy lelahy maro aja tsy mankatoa ny teny, ary mety ho ajo areo na tsy misy aja ny teny, amin'ny alalan'ny fitondran-tegnan'ny vadin'dreo. 2Fa areo die hahita ny fitondran-tegna mendrikareo am-pagnajana.3Ôka ijany ho tanteraka tsy miaraka amin'ny haingo ivelagne: randram-bolo, firavake volamena, na akanjo lamôdy.4 Fa koja, ôka ijany ho tanteraka miaraka amin'ijay ao am-pon'ny olo, sy ny hatsarana maharitran'ny fagnahy tsara sy mangina, ijay sarobidy eo agnatrehan'Andriamanitra.5Fa ny viavy masigna taloha no nandravake ny tegnandreo hôtran'ijane. Nanagna fahatokena an'Andriamanitra areo ary nagneky ny vadiny aby. 6Hôtran'ijany fomba ijany no nankatoavan'i Abrahama an'i Saraha sy nangihany anajy ho tompony. Anareo die janagny ankehitriny laha magnano ijay tsara sy tsy matahotra olo anareo.7Hôtrany ijany mandy koa, Anareo lelahy die tokony miaigna amin'ny vadinareo araky ny fahajavan-saigna , hôtran'ny fanaka malemy kokoa, ny viavy. Tokony amenareo voninahitra areo hôtran'ny mpiara-mandova ny fagnomejan'ny fiegnana. Atôvy ijany ba tsy ho vôsakagna ny vavakareo.8Farane, anareo aby daholo, ôka hiray saigna, nalahelo, hifankatia hôtran'ny mpirahalahy, ho tso-po, ary hagnetry tegna. 9Aja mamaly ratsy ny ratsy na manevateva ny mpanevateva. Mifanohitra amin'ijay aja, mitahia hatragne, fa noho ijany no nagnatsovana anareo ba hahafahanareo mandova ny fitahena.10Ny raike je tehankafy ny fiegnana sy te-hahita andro tsara die tokony hampijanogna ny lelany amin'ny ratsy sy ny molony amin'ny fijakana fitaka. 11Ôka ijy hiala amnin'ny atao hoe ratsy ary hagnano je tsara. Ôka ijy handremby fedagnana sy hitaky an'ijane.12 Ny amason'ny Tompo mahita ny marina, ary ny tadigniny maheregny ny fangatahandreo. Fa ny vatagn'i Tompo die manohitra ireo je magnano ratsy.''13Ija ny raike jay hamango anareo laha magniry ny hagnano ny tsara anareo? 14Nefa laha mijaly nohon'ny fahamarinana anareo, die sambatra. Aja matahotra je hatahorandreo. Aja mangitakitake.15Fa koja, atokano hôtran'ny masigna ao amponareo ny Tompo Kristy. Mivognona hatragny hamaly ny olo manotolo je magnotany anareo ny antony hatokenareo an'Andriamanitra. Atôvy amin'ny halemem-pagnahy sy fagnajana ijany. 16Managnà feon'ny fieritreretana madio ba ny olo ijay manevatevan'ny fiegnana tsara anareo ao amin'ny Kristy die mety megnatra satria mijaka manohitra anareo anreo hôtran'ny hoe mpagnano ratsy anareo. 17Tsara kokoa, laha Andriamanitra no magniry, fa mijaly anareo amin'ny fagnanôvana ny tsara nohon'ny fanôvana ny ratsy.18Efa nijaly nohon'ny fahotana mandy koa i Kristy. Ijy ijay marina die nijaly hôntsena, ijay tsy marina, ba hitondrany antsena eo amin'Andriamanitra. Nivonina tamin'ny nofo Ijy, fa nivelomin'ny Fagnahy. 19Tamin'ny alalan'ny Fagnahy, die nandeha ijy ary nitory hôn'ny fagnahy ijay agny am-ponja ankehitriny. 20Tsy nankatò areo laha efa nandigny ny faharetan'Andriamanitra tamin'ny andron'i Noa, tamin'ny andron'ny fanganana sambofiara, ary Andriamanitra namonjy olo vitsy_ fagnahy valo_ tamin'ny rano.21Ijany no famatarana ny batisa ijay mamonjy anareo ankehitriny_ tsy hôtran'ny fagnadiovana ny loto amin'ny vatagna, fa hôtran'ny angihan'ny feon'ny fieritreretana hômin'Andriamanitra _ tamin'ny alalan'ny fitsanganan'i Jesôsy Kristy tamin'ny maty. 22Kristy die eo antagna-kavanan'Andriamanitra. Niakatra agny andagnitra ijy. Ireo anjely, ireo manampahefana, ary ny hery die tsy mentsy magneky Anajy.

Chapter 4

1Noho ijany, satria nijaly tamin'ny nofo i Kristy, die ataovy fiadian'ny tegnanareo ijany tanjona ijany. Fa ijay abiaby nijaly tamin'ny nofo die nitsahatre tamin'ny fahotana. 2Vokatr'ijany, ny olo hôtran'ijany, mandritra ny fotôgna sisa hiagnany, die tsy hiaigna ho an'ny fanirian'ny olo koa, fa ho a'ny sitrapon'Andriamanitra.3Fa ampy ijay ny fotôgna lasa nanaovana ijay tian'ny jentilisa atao- hafalian'ny nofo fijejojejoana, fimamoana, fitondra-tegna mahamegnatra, filalaovan-dratsy, ary asan'ny fanompoan-tsampy maharikoriko. 4Heverindreo fa hafahafa satria tsy mikambagna amin-dreo ao amin'ijany fanaranam-po be ijany anareo, noho ijany die hijaka ratsy momba anareo areo. 5Hamale ny raike ijay vognona hitsara ny velogna sy ny maty areo. 6Noho ijany antony ijany no nitoriana ny vaovao mahafaly tamin'ireo maty mandy koa, mba , na die notsaraina tamin'ny nofo hôtran'ny olo aja areo, die hiaigna hôtran'Andriamanitra ao amin'ny fanahy7Magnakeke ny faran'ny raha abiaby.Noho ijany tongava saigna, ary mahonogna tegna min'ny eritreritrao ho an'ny fitiavam-bavaka. 8Ambonin'ny raha abiaby. manàgna fitiavana feno ho an'ny kiraidraike aby, fa ny fitiavana mandrakotre fahotana maro. 9Mifampiandragnoa tsy am-pitaraignana.10Fa ny kiraidraike aminareo die nandray fagnomejam-pahasoavana, ampiasao hifanompoana ijany. Manôva ijany hôtran'ny mpitan-draharahan'ny fanomejam-pahasoavana rahabe maimaimpoagna an'Andriamanitra. 11Lasa misy mijaka ôka ijy hagnano ijany hôtran'ny raike mijaka ny tenin'Andriamanitra.Laha misy manompo aoka ijany ho avy amin'ny hery ijay vatsian'Andriamanitra. Manaova ireo raha ireo mba homem-boninahitra amin'ny alalagn'i Jesôsy Kristy amin'ny fomba abiaby Andriamanitra. Aoka ho an'i Jesôsy Kristy ny voninahitra sy hery mandrakijay doria. Amena12Ry malala, aja resina ho hafahafa ny fitsapana amin'ny afo ijay nitranga taminareo, hôtran'ny hoe nisy raha hafahafa nitranga taminareo. 13Fa koja, na die be aja ny hiaignanareo ireo fijalian'ny Kristy, mifalia, mba ho afaka hifaly mandy koa anareo ary ho ravoaravo amin'ny fagnambarana ny voninahiny. 14Laha notevatevaina noho ny agnaran'i Kristy anareo, die voatahy, satria ny Fanahin'ny voninahitra sy ny Fanahin'Andriamnitra die mipetrake ao aminareo.15Fa aoka tsy hisy n'ija n'ija aminareo hijaly hôtran'ny mpamono olo, mpangalatra, mpagnano ratsy, na mpiraharaha ny an'ny hafa . 16Fa laha misy mijaly fa Kristiana, aoka ijy tsy ho megnatre; aoka hagnome voninahitra an'Andriamanitra amin'ijany agnarana ijany ijy.17Fa fotôgna ijao hanombohana ny fitsarana miaraka amin'ny ankohonan'Andriamanitra. Laha manomboka amintsena ijany, ino no ho vokatra ho an'ireo ijay tsy mankàto ny filajantsaran'Andriamnitra?18 Ary laha ''ny olo-marina aja mila tsy ho vôvonjy, amin'ny fomba ahôna no hisehoan'ny olo tsy an'Andriamanitra sy ny mpanota?"19 Noho ijany aoka ireo mijaly noho ny sitrapon'Andriamanitra hagnakigna ny fagnahin-dreo amin'ny Mpamorona mahatoky amin'ny fanaovan-tsoa.
Chapter 5

1Magnanatra ireo loholona aminareo aho, iaho, ijay loholona akama. Iaho mandy koa die vavolombelogn'ireo fijalen'i Kristy, ary hiany koa mpikambagna ao amin'ny voninahitra ijay efa haseho. 2Noho ijany, magnanatra anareo aho, ry loholona, embeno ny ondrin'Andriamanitra ijay eo aminareo. Arahy maso ijy ireny, tsy amin'ny fahatereterena, fa amin'ny sitram-ponareo, araka ny sitram-pon'Andriamanitra. Araho maso ijy ireny, tsy amin'ny vola maloto, fa an-sitram-po. 3Aja manjakajaka amin'ny olo ijay tandremanareo. Fa koja, ôka ho fitaratra hôn'ny ondry. 4Ary laha efa mipoitra ny lohan'ilay mpiambigna ondry, die hahajo satro-boninahitra tsy mety simba anareo.5Hôtran'ijany mandy koa, anareo tanora fagnahy, magnekea ny olon-dehibe. Anareo manontolo, tafio fagnetren-tegna ny tegnanareo ary mifanompoa. Fa Andriamanitra manohitra ny mpirehareha, fa magnome fahasoavana ny mpanetr-tegna. 6Noho ijany, manetre tegna eo ambanin'ny tagna-maherin'Andriamanitra ba hanandratany anareo amin'ijany fotôgna ijany. 7Avilay eo Aminajy ny fagnahinareo manontolo, satria ijy no miahy anareo.8Mahonana tegna, miembena. Ny fahavalonareo, die ny devoly, mihodidigna hôtran'ny liogna mitrerogna, mandremby ijay olo harapagny. 9Manohera anajy. Mioregna amin'ny finônareo. Fantatrareo fa ijany fahorena ijany die manjo ny firesan'ireo mpino magneragna an'ijao tontolo ijao mandy koa.10Laha efa avy nijaly nandritry ny fotôgna fohika anareo, ny Andriamanitry ny fahasoavana manontolo, ijay nangaika anareo ho amin'ny voninahiny mandrakijay ao amin'ny Kristy, die hahatanteraka anareo, hanangagna anareo, ary hampahery anareo. 11Hônajy anie ny fanjakana mandrakijay mandrakijay. Amena.12Resiko hôtran'ny rahalahy mahatoky i Silasy, ary nanoratra teny fohifohike hônareo tamin'ny alalany aho. Magnanatra anareo aho ary magnambara anareo fa ijay nisoratako die fahasoavana marin'Andriamanitra. Mijoroa amin'ijany. 13Ny viavy ijay agny Babylona, ijay vôfidy niaraka taminareo, magnano veloma anareo. Ary koa i Marka, janako lahy, magnano veloma anareo. 14Mifanôva veloma amin'ny fagnoroham-pitiavana. Hôminareo manontolo anie ny fedanana ijay ao amin'ny Kristy.

2 Peter

Chapter 1

1Simona Petera, mpanompo sy apostolin'i Jesôsy Kristy, hoa an'ireo ijay nahajo ny finoana sarobidy hôtra ijay noresinay, finoana ao amin'ny fahamarinan'ny Andriamanintsena sy Jesôsy Kristy Mpamonjy. 2Hampitomboina anie ny fahasoavana sy fiadanana nohon'ny fahalalana an'Andriamanitra sy Jesôsy Tompontsena.3Ny raha aby makasika ny herin'Andriamanitre ho an'ny fiainana sy toe-panahy die nomena antsena tamin'ny alalan'ny fahalalana an'Andriamanitra, ijay nangaike antsena tamin'ny alalan'ny voninahiny sy ny fahatsarany manokana. 4Tamin'ny alalan'ireo, nomeny jaka fikasana tsara sady lehibe indrindra antsena, mba ho tonga mpizara amin'ny fomban'Andriamanitra anareo, raha milefa ny fahalotoana ijay eto an-tany noho ireo filàn-dratsy.5Noho ijany, manaova ny tsara indrindra mba hagnampiana fahatsarana amin'ny alalan'ny finoanareo, die amin'ny alalan'ny fahatsaranareo, ny fahalalana. 6Amin'ny alalan'ny fahalalanareo, nagnampia fahononam-po, die amin'ny alalan'ny fahononam-ponareo, magnampia fieretana, die amin'ny alalan'ny fiaretanareo, magnampia toe-panahy. 7Amin'ny alalan'ny toe-panahinareo, magnampia fitiavana rahalahy, die amin'ny alalan'ny fitiavana rahalahy, magnampia fitiavana.8Raha ao aminareo die mitombo ao aminareo, die tsy hamoa natsy tsy hamokatre amin'ny fahalalana an'i Jesôsy Kristy Tompontsena anareo. 9Fa na ija na ija tsy ampy ny raha reo die tsy mahita afa-tsy ijay mariny; jamba ijy. Nadinoiny ny fanadiovana ajy tamin'ny fahotany taloha.10Noho ijany, ry rahalahy, ataovy ny manontolo mba hahazahoana antoka ny fiantsoana sy ny fifidianana anareo. Raha manao ireo raha reo anareo, die tsy ho vôfingana. 11Amin'ijay die malalake ho anareo ny fidirana ao amin'ny fanjakana mandrakijay ijay an'ny Tompontsena sy Jesôsy Kristy mpamonjy.12Noho ijany die vonona fehijay iaho hampatsiahy anareo ny raha reo, nadie fantatrareo ajy reo, ary na die mantanjaka ao amin'ny marina aja anareo ankehitriny. 13Iaho mieritritra fa rariny aminahy ny mamoha anareo amin'ny fampahatsahivana ny raha reo, raha mbola eto amin'ity tragno-lay ty iaho. 14Satria fantako fa tsy ho ela die ho alaiko ny tragno-laiko, hôtra ijay nabôkan'i Jesôsy Kristy Tompontsena anahy. 15Die ho ataoko ijay farany vitako mba hahatsiarovanareo mandrakariva ireo raha reo rehefa lasa iaho.16Fa ahay die tsy nagnarake angano tsara rafitra jay noforognona rehefa nivoria taminareo ny momban'ny hery sy ny nisehoan'i Jesôsy Kristy Tompontsena. Fa koja, ahay die vavolombelogna nahita ny fiandrianany. 17Fa Ijy die nahavôray laza amam-boninahitra laha tamin'Andriamanitra Iaba rehefa nisy feo tonga teo Aminajy tamin'ny voninahitra lehibe indrindra hoe: ''Ity no Janako malalako, jay sitrako indrindra.'' 18Naharegny ijany feo laha tagny an-dagnitre ijany ahay, rehefa niaraka taminajy teny an-tendrombohitra masina.19Antsena die magnana ity jaka faminaniana jay efa natao mafy orina ity. Tokone hitandrina ijany tsara anareo. Ijany die hôtra ny jiro mazava ao anaty haizigna mandra-pahatongan'ny maraina sy ny kintan'ny maraina miposaka ao am-ponareo.20 Fantatro aloha ijao, fa tsy misy faminaniana laha tamin'ny famoahan-kevitry ny olo. 21Fa tsy misy faminaniana laha tamin'ny sitrapon'ny olo. Fa koja, notarihin'ny Fanahy Masina ijy reny mba hijaka ijay nijakain'Andriamanitra.

Chapter 2

1Ny mpaminagny sandoka die avy teo amin'ny olo, ary ny mpampianatra sandoka mandy koa die ho avy eo aminareo. Hitondra mangingigna sain-diso mamotika ijy ireo, ary handà an'ny Tompo ijay nividy anajy ireo. Ijy ireo die mitondra fahapotehana malaky amin'ijy ireo. 2Maro ny hagnaraka ny fahakevokevohan'ijy ireo, ary amin'ny alalan'ireny no hijakana ratsy ny lalagny ny fahamarinana. 3Amin'ny firenena no hagnararôtany anareo miaraka amin'ny jaka mamitaka. Tsy ho ela ny fagnamelohana an'ijy ireo; tsy mandry ny fahapotehan'ijy ireo.4Fa Andriamanitra tsy amindra fo amin'ireo anjely ijay nagnota. Fa koja nameny hômin'ny vilagny tany ijy ireo ba ho vôtagna amin'ny amin'ny gadran'ny fahamejignana mandrapeven'ny fitsarana.(Fagnamarihana: Ny dika teny saragny taloha die mivaky hôtran'ny jao: ''Ba hifihejina ao amin'ny lavaky ny fahamijegnana mandra-peven'ny fitsarana.'') 5Ary hiany koa, tsy nagnavela an'ijao totonlo ijao taloha ijy. Fa koja, namonjy an'i Noah, ijay mpitory ny fahamarinana, miaraka amin'ny fito hafa, laha efa nitondraka ny safodrano tamin'ny ratsy fagnahy teto amin'ijao totonlo ijao ijy. 6Andriamanitra mandy koa die nagnano ireo tanànan'i Sodoma sy Gomora ho lakevogna ary nagnameloka anajy ireo ho amin'ny fahapotehana, ho hôtran'ny ohatra amin'ijay hitranga amin'ny ratsy fagnahy.7Fa i Lota marina, ijay nampijaliana tamin'ny fitondran-tegnan'ireo olo tsy ara-dalàna tamin'ny fahakevokevohana, die nivonjen'Andriamanitra. 8Fa ijany lelahy marina ijany, ijay niaigna niaraka tamin'ijy ireo isan'andro, fa die fadiranovana tamin'ny fagnahin'ny fahamarinany noho ijy hitany sy regniny. 9Fantatry ny Tompo ny fomba hamonjena ireo olo tsara fagnahy amin'ireo fitsapana, sy fomba hitanana ireo olo tsy marina ho amin'ny fagnafejana amin'ny andron'ny fitsaràna.10Marina indrindra ijany hôn'ireo ijay manohy amin'ny fagniriena ratsin'ny nofo sy magnano tsinotsinona ny fahefana. Sahy sy mitompoteny fatratra ijy ireo. Ijy ireo die tsy matahotra hijaka ratsy ireo be voninahitra. 11Ireo anjely die managna hery sy fahefana lehibe, fa ijy ireo die tsy mitondra fitsaràna maniratsira manohitra anajy ireo amin'ny Tompo.12Fa ireo biby tsy mana-saigna ireo die natao ho samborina sy potehina. Tsy fantan'ijy ireo ijay tsiratsirain'ijy ireo. Ho potika ijy ireo. 13Handray ny voka-dratsin'ny raha ratsy namboariny ijy ireo. Mieritreritra ijy ireo fa ny tsy fihafena mandritry ny andro die fahafinaretana. Ijy ireo die ba pentipentigna sy tigny. Mahafinaritra anajy ireo ny asa famitahan'ijy ireo laha efa mihinagna miaraka aminareo. (Fagnamarihana: Ireo dika-teny saragny die mivaky hôtran'ny jao: ''Mahafinaritra anajy ireo ny asan'ijy ireo laha efa mihinagna miaraka aminareo amin'ny rahanim-pifakatiavana.'') 14Adalam-biavy mijangajanga ijy ireo; tsy afa-po amin'ny fahotana ijy ireo. Mitarika fagnahy tsy mety maty hômin'ny fanôvandratsy ijy ireo, ary managna fo vôofagna amin'ny fagnirena ijy ireo. Janaky ny fagnojognana ijy ireo!15Niala tamin'ny lalagna mahitsy ijy ireo. Lasa nivily lalagna ijy ireo, ary nagnaraka ny lalagn'i Balama janak'i Beora, ijay tia ny tambin'ny tsy fahamarignana. (Fagnamarihana: ireo dika-teny saragny die mivaky hôtran'ny jao: ''Balama, janak'i Bosora.'') 16Fa nahajo jaka ijy nohon'ny fandikan-dalàna manokagna. Nisy biriky môgna nijaka tamin'ny feon'olombelogna nanajanogna ny môlan'ny paminagny.17Ireo olo ireo die hôtran'ny lohataogna tsy misy rano. Hôtran'ny rahogna indôsin'ny tafio-drivotra ijy ireo. Natokagna hônajy ireo ny hejigna matevigna. 18Mijaka tsy ampiheverana ijy ireo. Mangnetagna ny olo amin'ny alalan'ny filan'ny nofo ijy ireo. Ijy ireo die magnentagna ny olo ijay miejaka milefa ireo je miaigna agnaty ny fahadisôna. 19Ijy ireo die mampagnantegna fahafahana hôndreo, kanefa ijy tegnany die andevon'ny fahalotôna. Fa ny olo die andevon'ijay manontolo maharesy anajy.20Na ija na ija afaka amin'ireo fahalotôn'ijao tontolo ijao amin'ny alalan'ny fahalalana ny Tompo sy Jesôsy Kristy Mpamonjy, ary aviteo miverigna amin'ny fahalotôna ndraike koa, die hanjary ratsy nohon'ny toe-javatra vôlohany ny toe-javatra farany. 21Tsara kokoa hôndreo ny tsy mahafantatra ny lalàn'ny fahamarinana nohon'ny mahafantatra anijany die hivadika amin'ny didy masigna natolotra andreo. 22Marina hôndreo itoy ohabolagna toy hoe: ''Ny amboa no miverigna amin'ny loane. Ny kiso efa nandro miverigna mihosim-potake.''

Chapter 3

1Ankehitriny, ry malala, manoratra ho anareo ity taratasy faharoa ity iaho ho fampatsiarovana andôsina hamporisihina ny saignareo madio, 2mba hahatsiarovanao ireo jaka nijakain'ny mpaminany masina tagny taloha sy ny didin'ny Tompo sy Mpamonjy antsena ijay nomen'ireo apostolinareo.3Fantaro aloha ijao, fa ny mpaniratsira die ho avy amin'ny andro farany. Areo die hagneso ary handeha araka ny filàjan-dreo manokagna. 4Areo die hijaka hoe: "Aja ny fampanantenagna ny amin'ny fiveregnany? Fa hatramin'ijay nahafaty ireo rajambe, die tsy niova ny raha abiaby, eka fa hatramin'ny fiantombohan'ijao tontolo ijao aja.''5Areo die minia magnadigno fa ny lagnitre sy ny tany die nisy avy tamin'ny rano ary tamin'ny alalan'ny rano, fotôgna ela,6 nohon'ny didin'Andriamanitra, ary tamin'ny alalan'ireo raha ireo, no nandravana ny tontolo tamin'ijany fotôgna ijany, tamin'ny tondra-drano. 7Fa ankehitriny ny lagnitre sy ny tany die natokagna ho an'ny afo amin'ny alalan'io didy io mandy. Areo die vôtokagna ho amin'ny andron'ny fitsarana sy ny fandringanagna ny olo ratsy fagnahy.8Ôka tsy ho adignonareo, ry malala, fa ny indraika andro amin'ny Tompo die hôtrin'ny arivo taogna, ary ny arivo taogna hôtrin'ny indraika andro. 9Ny Tompo die tsy ela amin'ny fagnantanterahana ireo fampagnantenany, araka ijay lajain'ny saragny ho fahelany. Fa koja, Ijy die maharitre aminareo. Tsy tiany hisy ho very anareo, fa mba ho tonga amin'ny fibebahana ny abiaby.10Na ijany aja, ho avy hotrin'ny mpangalatra ny andron'ny Tompo: Ny lagnitre die hanjavogna miaraka amin'ny feo mahare. Ny raha abiaby die ho main'ny afo, ary tany sy ireo asa ao amin'ajy die hambara. (Fagnamarihana: Ireo dikan-teny saragne die mivaky hôtran'ijao: ''Ny raha abiaby die ho main'ny afo, ary ny tany sy ireo asa ao amin'ajy die ho dorana abiakoa.")11Koa laha ho levogna hôtran'ijany ijao raha abiaby ijao, die tokony ho olona manao akory anareo? 12Tokony hiaigna amin'ny fahamasignana sy ny fiaignana araka an'Andriamanitra anareo. Tokony hagnantegna ary hampahalaky ny fiavian'ny andron'Andriamanaitra anareo. Amin'ijany andro ijany, ny lagnitra die ho levon'ny afo, ary ny raha abiaby die hiempo amin'ny hafanana be. 13Fa araka ny fampagnatenany, die mandigny ny lagnitra vaovao sy tany vaovao antsena, ijay hitoeran'ny fahamarignana14Noho ijany, ry malala, satria magnategna an'ijany raha ijany anareo, manôva ny tsara indrindra aby agny aminareo mba tsy hisy pentigna sy tsy hanan-tsiny eo ankatrehany am-piadanagna. 15Ary mandy koa, eritrereto ny faharetan'ny Tompontsena amin'ny famonjena, hôtran'ny nosoratan'i Paoly rahalahy malalantsena taminareo, araka ny fahendrena ijay nomena an'ajy. 16Paoly die mivoria an'ijany raha ijany ao amin'ny taratasiny abiaby, ijay misy raha sarotre takarina. Olo tsy misy fahalalana ary tsy miorina no magnova iregny raha iregny hôtran'ny hanaovany ireo soratra masina hafa mandy koa, ka mahatonga fahaverejagna ho an'ny tegnany17Noho ijany, ry malala, satria fantatrareo ijany raha ijany, die tandremo ny tegnanareo mba tsy ho voafandriky ny fitakin'ny olo ratsy fagnahy ka ho very ny fahamarinanareo. 18Fa mitomboa amin'ny fahasoavana sy fahalalana ny Tompontsena sy Jesôsy Kristy Mpamonjy antsena. Ho an'ajy anie ny voninahitra ankehitriny ary mandrakijay. Amena!

1 John

Chapter 1

1Ijay hatramin'ny fiandohana- ijay efa regninay, ijay efa hitanay tamin'ireo masonay, ijay efa nojerenay, ary ijay efa nokasihan'ny tagnanay- ijany die momba ny Tenin'ny fiaignana. 2Hôtran'ijany mandy koa, ny fiaignana die nampahafantarina, ary efa hitanay ijany, ka mitsangagna vavolombelogna amin'ijany ahay . Ahay die magnambara aminareo ny fiaignana mandrakijay, ijay tao amin'ny Ray, ary ijay nampahafantarina anay3Ijay efa hitanay sy regninay die atoronay aminareo mandy koa, mba hanagnanareo fifandraisana aminay mandy koa. Ny fifandraisana misy eo aminay die amin'ny Ray sy amin'ny Janagny, Jesôsy Kristy. 4Hôtran'ijany mandy koa, manoratre ireo raha ireo ho anareo ahay mba ho tanterake ny fifaliantsena. [Fagnamarihana: Ireo dikan-teny taloha saragne die mivaky hôtran'ijao:" Ary manoratre ireo raha ireo ahay mba ho tanterake ny fifalianareo.'']Ijao no hafatre ijay efa regninay avy 5tamin'Aje ka atoronay anareo: Andriamanitra die fahajavana, ary ao amin'Ajy die tsy misy menjigna mihintsy. 6Laha milaja antsena fa managna fifandraisana amin'Aje ary mandeha ao anatin'ny menjigna, die mivandy antsena ary tsy magnano ny marina. 7Kanefa laha mandeha ao amin'ny fahajavana antsena hôtran'Aje ao amin'ny fahajavana, die managna fifandraisana amin'ny kiraidraike aby antsena, ary ny ràn'ny Jesosy Janagne no manadio antsena amin'ny fahotana abiaby.8Laha milaja antsena fa tsy manam-pahotana, die mamitake ny tegnantsena antsena, ary ny fahamarinana die tsy ao amintsena. 9Nefa laha magneke ireo fahotantsena antsena, Ijy die mahatoky sy marina amin'ny famelana ireo fahotantsena ary magnadio antsena amin'ny tsy fahamarinana abiaby. 10Laha milaja antsena fa tsy mbola nagnota, die magnano an'Aje ho mpivandy, ary tsy ao amintsena ny jakany.
Chapter 2

1Anaka, manoratra ireto raha ireto aho ba tsy hagnotanareo. Kanefa raha misy manota, die managna mpisolo vava atsena miaraka amin'ny Ray, Jesôsy Kristy, ilay marina. 2Ijy no fagnavotana an'ireo fahotantsena, ary tsy ny antsena mandy, fa ny an'ijao tontolo ijao iray manontolo mandy koa. 3Amin'ijany no ahafantarantsena fa mahafantatra an'Ajy atsena: Laha mitandrigna ireo didiny atsena.4Ilay mijaka hoe: "Mahafantatra an'Andriamanitra aho", fa tsy mitandrigna ireo didiny, die mpivandy, ary ny marina die tsy ao amin'aje. 5Fa na ija na ija mitandrigna ny tegnany, marina tokôtra, die ao amin'ijany olo ijany no nagnatanterahana ny fitiavan'Andriamanitra. Amin'ijany no ahafantarantsena fa ao amin'aje atsena. 6Ilay iraika ijay mijaka fa mitoboka ao amin'Andriamanitra die tokony handeha mandy koa ijy hôtran'ny nandihanan'i Jesôsy Kristy.7Ry malala, tsy manoratra didy vôvao hônareo aho, fa didy taloha ijay efa anagnanareo hatramin'ny fendohana. Ny didy taloha die ny jaka ijay regninareo. 8Fa manoratra didy vôvao hônareo aho, ijay marina ao amin'i Kristy sy ao aminareo, satria ny hejigna dia mandalo, fa ny fahajavana marina die efa mamiratra.9Ilay raika ijay mijaka fa ao amin'ny majava ijy ary mankahala ny rahalahiny die ao agnaty hejigna hatramin'ijao. 10Ilay raika iajy mitia ny rahalahiny die mitoetra ao amin'ny majava ary tsy hisy fotôgna hanafitohignana an'ajy. 11Fa ilay raika ijay mankahala ny rahalahiny ao amin'ny hejigna die mandeha amin'ny hejigna; ijy die tsy mahafantatra ijay alehany, satria ny hejigna die efa nahajamba ny masony.12Manoratra hônareo aho, ry janaka malala, satria ireo fahotanareo die vôvela noho''ny agnarany. 13Manoratra hônareo aho, ry ray, satria fantatrareo ilay raika avy amin'ny fendohana. Manoratra hônareo aho, ry jatovy, satria niresenareo ilay ratsy. Efa nanoratra hônareo aho, ry jaja madinika, satria anareo die mahafantatra ny Ray. 14Efa nanoratra hônareo aho, ry ray, satria fantatrareo ilay avy amin'ny fendohana. Efa nanoratra hônareo aho, ry jatovo, satria mafy anareo, ary ny tenin'Andriamanitra die mitoetra ao aminareo ary anareo die efa nandresy ilay ratsy.15Aja mitia an'ijao tontolo ijao na ireo javatra eo amin'aje. Raha misy mitia an'ijao tontolo ijao, die tsy ao amin'aje ny fitiavan'ny Ray. 16Fa ny javatra rehetra ijay ao amin'ijao tontolo ijao die ny filan'ny nofo, ny filan'ny maso, ary ny fieboebon'ny fiagnana ijay tsy avy amin'ny Ray fa avy amin'ijao tontolo ijao. Ijao tontolo ijao sy ny fagnireny dia mandalo. 17Fa na ija na ija magnano ny sitrapon'Andriamanitra die hitoboka mandrakijay.18Jaja madinike, itoy no lera farane. Toy ny efa regninareo fa ho avy ny antiKristy, amin'ijao maro ireo antiKristy ijay efa avy. Amin'ijany no ahafantarantsena fa itoy no lera farane. 19Niala tamintsena areo, kanefa tsy avy amintsena. Fa laha tamintsena areo die nitoboka niaraka tamintsena. Fa laha efa nenga areo, die nanoro fa tsy tamintsena.20Fa managna fagnosorana avy amin'ilay Iray Masina anareo, ary fantatrareo rehetra ny marina. [Fagnamarihana: misy dikan-teny hafa sasagny vôvao ijay mivaky hoe: "managna ny fahalalana rehetra anareo." Ny dikan-teny sasagny taloha die mivaky hoe: "ary fantatrareo ny java-drehetra."] 21Tsy nanoratra hônareo aho satria anareo die tsy mahalala ny marina, fa satria fantatrareo ijany ary tsy vandy avy amin'ny marina.22Ija no mpivandy fa tsy ilay raika ijay mandà fa i Jesôsy no Kristy? Ijay olo ijay die ilay antiKristy, laha efa mandà ny Ray sy ny Janaka ijy. 23Tsy misy olo ijay mandà ny Janaka ka hanagna ny Ray. Na ija na ija magneky ny Janaka mandy koa die managna ny Ray.24Fa hônareo, ôka ijay regninareo hatramin'ny fendohana hitoboka ao aminareo. Laha ijay regninareo, die hitoboka ao amin'ny Janaka sy ao amin'ny Ray mandy koa anareo. 25Ijany no fampagnantenana nameny antsena: die ny fiaignana mandrakijay. 26Efa nanoratra ijany javatra ijany hônareo aho momban'ireo ijay hitondr'anareo amin'ny lalan-diso.27Fa hônareo, ilay hosotra ijay niresinareo avy taminy die hitoboka ao aminareo, ary anareo die tsy mila olo mampianatra anareo. Fa hôtran'ijay nampenarin'ny fagnosorana anareo ny raha rehetra die marina ary tsy vande, ary hôtran'ijay efa nampenarin'ijany anareo, die mitoboka ao amin'Aje. 28Amin'ijao, ry janaka malala, mitobôra ao amin'aje, ba laha efa miseho ijy, die hanagna fahasahiragnana atsena ary tsy ho megnatra eo agnatrehany amin'ny fevene. 29Laha fantatrareo fa ijy no marina, fantatrareo fa ijay rehetra magnano ny mety die teraka tamin'aje.
Chapter 3

1Indro hôtrany aja ny fitiavana nomen'Iaba antsena, hangihana antsena hoe janak'Andriamanitra, ary ijane antsena. Noho ijane antone ijane, ijao tontolo ijao die tsy mahafantatra antsena, satria tsy mahafantatra an'aje ijane. [Fagnamarihana: Ny dikan-teny talohake die tsy magnisy hoe: "ary ijane antsena.''] 2Ry malala, janak'Andriamanitra antsena amin'ijao fotôgna ijao, ary ijane die mbola natoro hoe hôtran'ino antsena. Antsena die mahafantatra fa laha mipositre i Kristy, die hitovy amin'Aje antsena, satria hahita an'Aje hôtran'Aje antsena. 3Ny abiaby ijay managna ijane fatokisana mahakasika ny ho avy mifototra amin'aje ijane die magnadio ny tegnane mba hadio mitovy amin'Aje.4Ijay abiaby magnota die magnano ijay tsy ara-dalàna; fa ny fahotana die tsy ara-dalàna. 5Anareo die mahafantatra fa i Kristy die natoro mba hangala ireo fahotana, ary amin'Aje ao die tsy misy fahotana. 6Tsy misy olo ijay mitoboke amin'Ajy ao ka mbola hagnota koa. Tsy misy olo mbola magnota nahita an'aje na nahafantatra an'aje.7Ry janaka malala, aja avela hisy olo hamitaka anareo. Ilay raike ijay magnano ny fahamarignana die marina, hôtran'ny mahamarina an'i Kristy. 8Ilay raike ijay magnota die avy amin'ny devoly, fa ny devoly die nagnota hatagne am-pendohana. Noho ijane antone ijane ny Janak'Andriamanitra die natoro, mba hahafahane manimba ireo asan'ny devoly.9N'ija n'ija naterak'Andriamanitra die tsy hanohy ny fahotana satria ny vône avy tamin'Andriamanitra die mitoboke amin'ajy ao. Tsy afaka manohy ny fahotana ijy satria naterak'Andriamanitra. 10Ao amin'ijane no hampisehôna ireo janak'Andriamanitra sy ireo janaky ny devoly. N'ija n'ija tsy magnano ny marina die tsy avy amin'Andriamanitra; na ny raike ijay tsy tia ny rahalahine mandy koa aja.11Fa ijane no hafatre ijay efa regninareo hatagne am-pendohàna: fa antsena die tokone mifankatia, 12fa tsy hôtran'i Kaina, ijay avy amin'ilay ratsy sy namono ny rahalahine. Fa nagnino ijy no namono an'Aje? Satria ireo asane die ratsy, ary nen'ny rahalahine die marina.13Aja jendagna, ry rahalahiko, laha tsy tia anareo ny tany. 14Fatantsena fa efa nienga tamin'ny fahafatesana megnagne amin'ny fiegnana antsena, satria tia an'ireo rahalahy antsena. Ijay tsy tia ny rahalahine die mitoboha agne amin'ny fahafatesana.15 Ijay tsy tia ny rahalahine die mpamono olo. Fantatrareo fa tsy misy mpamono olo managna fiegnana mandrakijay mitoboke amin'ajy ao.16Amin'ijane no hafantarantsena ny fitiavana, satria Kristy nagnome ny aigne hontsena. Antsena mandy koa die tokone magnome ny aignantsena hôn'ireo rahalahy.17 Fa n'ija n'ija managna ny harenan'ijao tontolo ijao, ka mahita ny fasarihagnan'ny rahalahine, ary magnidy ny fon'ny falahelovane an'aje, amin'ny fomba akory no itobohan'ny fitiavan'Andriamanitra amin'ajy ao? 18Ry janako malalako, ôka antsena tsy hitia amin'ny jaka na koa amin'ny vava, fa amin'ny asa sy fahamarignana.19Avy amin'ijane no hafantarantsena fa avy amin'ny fahamarignana antsena, ary mampatoky ny fontsena eo agnatrehane antsena. 20Fa laha magnameloke antsena ny fontsena, Andriamanitra die makadiry loholohon'ny fontsena, ary mahafantatre ny raha-abiaby Ijy. 21Ry mala, laha tsy magnameloke antsena ny fontsena, die managna fatokisana amin'Andriamanitra antsena. 22N'ino n'ino angatahintsena die ho ajontsena avy amin'aje, satria antsena mitandrigna ireo didine sy magnano ijay ankasitrahana eo agnatrehane.23Ijao ny didine: tokone mino ny agnaran'ny Janagne Jesôsy Kristy ary mifankatia antsena, hôtran'ny efa nagnomejane antsena ijany didy ijane. 24Ny raike ijay mitagna ny didin'Andriamanitra die mitoboke amin'Ajy ao, ary Andriamanitra mitoboke amin'ajy ao. Amin'ijane no hafantarantsena fa ijy die mitoboke amintsena ao, amin'ny Fagnahy ijay nomene antsena.
Chapter 4

1Ry malala kaja mino ny fagnahy abiaby. Fa koja, nitsapa ny fanahy mba hahita fa laha tamin'Andriamanitre ijy ireo , satria mpaminany sandoke rahabe no efa nenga tamin'ijao tontolo ijao.2 Amin'ijany no ahafataranareo ny Fanahin'Andriamanitre ny fanahy abiaby jay tsy magneky fa i Jesôsy Kristy ijay tonga nofotre die laha tamin'Andriamanitre,3 die ny fanahy abiaby ijay tsy magneky fa Jesôsy die tsy laha tamin'Andriamanitre. Die ijany ny fanahin'ny mponohitran'Kristy, ijay efa regninareo fa ho tonga, die ankehitriny die efa eto an-tany [Fanamarihana: misy dikan-teny taloha sasane die mivaky hoe: ''Die ny fanahy abiaby jay tsy magneky fa i Jesôsy tonga nofo die tst laha tamin'Andriamanitre. Ijany die fanahin'ny mpanohitran'Kristy ijay regninareo fa ho tonga, die ankehitriny die efa eto an-tany.]4Anareo die laha tamin'Andriamanitre, ry janaka malala, die efa nandresy an-dreo, satria ny raike ijay ao aminareo die angeza mihôtre no ny raike ijay eto amin'ijao tontolo ijao.5 An-dreo die laha tamin'ijao tantolo ijao; noho ijany ijay rehetra lazain'ijy ireo die laha tamin'ijao tantolo ijao , die ijao tantolo ijao die miheno an'ijy ireo.6 Laha tamin'Andriamanitre antsena. Ijay mahafantatre ny tompo die maheregny antsena. Ijy ijay tsy laha tamin'Andriamanitre die tsy haregny antsena. Amin'ijany no ahafatarantsena ny fanahin'ny fahamarinana sy ny fanahin'ny fahadisoana.7Ry malala, ôka atsena hifankatia, fa ny fitiavana die laha tamin'Andriamanitre, die ijay abiaby mitia die naterak'Andriamanitra sy mahafantatre an'Andriamanitre.8 Ny olo ijay tsy mitia die tsy mahafantatre an'Andriamanitre, satria Andriamanitre die fitiavana.9Noho ijany ny fitiavan'Andriamanitre die nambara tamintsena,fa Andriamanitre die nandefa ny Zanagny lahitokana ho an'ijao tantolo ijao mba ho velogna noho Ijy atsena.10 Ao amin'ijany fitiavana ijany, tsy ny tiavantsena an'Andriamanitre, fa ny nitiavane antsena, die nandefasane ny Zanagny lahy ho fagnavotana ny fahotantsena.11Ry malala, raha tia lôtre antsena Andriamanitre, die tokony hifankatia mandy koa atsena.12 Tsy mbola nisy nahita an'Andriamanitre. Fa laha mifankatia atsena, die mitoetra ao amintsena Andriamanitre die ny fitiavane die tanterake ao amintsena.13 Amin'ijany no ahafatarantsena fa mitoetra ao aminajy atsena dia ijy ao amintsena, satria ijy die nagnome atsena ny saragne amin'ny fagnahine. 14Ndre mandy koa, efa nahita atsena sy efa mijoro vavolombelogna fa Baba die efa nandefa ny Zanagny lahy ho Mpamonjy an'ijao tontolo ijao.15Na ija na ija magneky fa Jesôsy die Zanaka lahin'Andriamanitre, die mitoetre ao aminajy Andriamanitre die ijy ao amin'Andriamanitr. 16Atsena mandy koa die nahafantatre die nino ny fitiavana ijay efa nagnanan'Andriamanitre ho antsena.17Noho ijany, fitiavana ijany die nontanterahina tamintsena, mba hagnanatsena fahatokisana amin'ny androny'ny fitsarasana, satria toa Aja, die hôtra ijany mandy koa antsena eto amin'ity tany ity.18 Tsy misy tahotre ao amin'ny fitiavavana. Fa koja, ny fitiavana tanterake die mangala ny fahangoaignana, satria ny fahangoaignana die tsy mentsy miarake amin'ny sazy. Fa ny raike ijay mangoaigna die tsy natao ho tanterake ao amin'ny fitiavana.19Mitia antsena satria Andriamanitre nitia antsena vôlohany. 20Laha misy olo mijaka hoe: ''Tieko Andriamanitre'' fany mankahala ny rahalahine, die mpivandy ijy. Fa ny raike ijay tsy mitia ny rahalahine, ijay hitane, die tsy afake ny hitia an'Andriamanitre, ijay tsy hitane. 21Die, ijany mandy koa no didy ijay agnantsena laha taminaje: N'ija n'ija mitia an'Andriamanitre die tsy mentsy mitia ny rahalahine mandy koa.
Chapter 5

1N'iza n'iza mino fa i Jesôsy no Kristy die naterak'Andriamanitra, ary n'iza n'iza tia an'ny Ray mandy koa die tia ny zanaka nateragane. 2Noho izany no hafantarantsena fa tiantsena ny zanak'Andriamanitra: Laha tia an'Andriamanitra sy magnatanteraka ny didy antsena. 3Satria izay no fitiavana ho an'Andriamanitra die ny hagnatanterahantsena ny didine. Ary ny didine die mavesatra.4Fa ny olo manontolo izay naterak'Andriamanitra die mandresy an'izao tontolo izao. Ary izany die fandresena izay efa nadresy izao tontolo izao: Ny finôntsena. 5Iza ny iraike izay mandresy an'izao tontolo izao? Ny iraike izay mino fa Jesôsy die zanak'Andriamanitra.6Izany die ny raike izay avy tamin'ny rano sy rà: Jesôsy kristy Izy die avy tsy tamin'ny rano sy rà. 7Fa misy telo izay vavolombelona: 8Ny fagnahy, ny rano ary ny rà. Io teo io die nifagnaraka. [Fagnamarihana: ny dikan-teny taloha saragny die mivaky hôtran'izao:" Fa misy telo izay mijoro vavolombelona agny andanitra: ny Ray sy ny Teny ary ny Fanahy Masina; die io telo io die raike. Ary misy telo ieay mijoro vavolombelogna eto ambonin'ny tany: ny Fagnahy, ny rano, ary ny rà; die io die hôtran'ny raike. "Na izany aza, ny dikan-teny tsara indrindra die tsy mivaky hôtran'izany.]9Laha mandray ny fijoroana an'olo antsena, die ho lehibe loholoho ny fijoroana vavolombelona an'Andriamanitra. Fa ny fijoroana vavolombelona an'Andriamanitra die izao. Izy die mijoro vavolombelogna mikasika ny zanagny. 10N'iza n'iza mino ny zanak'Andriamanitra die managna fijoroana vavolombelogna aminazy tegnany. Izay tsy mino an'Andriamanitra die magnano anazy ho mpivande, satria izy die tsy mino ny diorama vavolombelogna izay efa nomen'Andriamanitra mikasika ny zanagny.11Ary ny fijoroana vavolombelogna die izao: Andriamanitra die magnome antsena fiaignana mandrakizay, ary izany fizignana izany die ao amin'ny zanagny. 12Ny raike izay managna ny zanake die managna ny fiaignana. Ny olo izay tsy managna ny zanak'Andriamanitra die tsy managna fiaignana.13Efa nanoratra an'itoy raha itoy aminareo Aho mba hafantaranareo fa managna fiaignana mandrakizay anareo. Hônareo izay mino ny agnaran'ny zanak'Andriamanitra. 14Hôtran'izany mandy koa, izao no fifagnekena izay anagnantsena eo anatrehane, fa ninonino angatahintsena araka ny sitrapone die maharegny antsena Izy. 15hôtran'izany mandy koa, raha fantantsena fa maharegny antsena izy . Ninonino angahintsena aminaze die fantantsena izay aby daholo nagnatahintsena taminaze.16Laha misy olo raike mahita ny rahalahiny manao fahotana izay tsy miteraka fahafatesana, tsy mainrsy mivavaka izy, ary Andriamanitra hagnome fiaignana hônazy. Iaho die mampitaha ireo izay managna fahotana tsy miteraka fahafatesana. Misy fahotana izay miteraka fahafatesana; tsy mizaka aho hoe tokony hivavaka amin'izany izy. 17Ny tsy fahamarinana manontolo die fahotana, nefa misy fahotana tsy miteraka fahafatesana.18Fantatsena fa n'iza n'iza naterak'Andriamanitra die tsy manota. Nefa ny raika izay naterak'Andriamanitra die miaro ny tegnany, ary ny ratsy die tsy afaka hahakasika anazy. 19Fantatsena fa Andriamanitra antsena ary izao tontolo izao die mitoboka amin'ny ratsy.20Kanefa fantantsena fa ny Zanak'Andriamanitra die efa nagnome fahazavan-tsaina mba hafantarantsena ny raike izay tena marina. hôtran'izany mandy koa, antsena die ao amin'ny raike izay marina. Ao amin'ny Jesôsy Kristy zanagne. Izy no Andriamanitra marina ary fiainana mandrakizay. 21Anake, arovy amin'ny sampy ny tegnanareo.

2 John

Chapter 1

1Lahatamin'ny loholona ka hatramin'ny viavy vôfidy sy ireo janagny, je tieko amin'ny fahamarinana, ary tsy aho mandy, fa ireo rehetra ijay nahalala ny marina mandy koa, 2nohon'ny fahamarinana ijay mitoetra ao agnatintsena ary hiaraka amitsika mandrakijay. 3Hômintsena anie ny fahasoavana, ny famindram-po, ny fedanana avy amin'Andriamanitra Ray sy avy amin'ni Jesosy Kristy Janaky ny Ray, amin'ny fahamarinana sy fitiavana.4Faly be aho satria nahita ny saragny amin'ireo janakao mandeha amin'ny fahamarinana, hôtran'ny andresantsena ijany didy ijany avy tamin'ny Ray. 5Ary mangataka aminao aho, raviavy tsy hôtran'ny manoratra didy vôvao aminao aho, fa ijay nanagnantsena hatramin'ny vôlohany die ny tokony hifankatiavantsena samy antsena. 6Ijao no fitiavana, die ny ba handihanantsena araka ireo didiny. Ijao no didy, araka ny regninareo hatratamin'ny vôlohany, die ny tokony handihananareo amin'ijany.7Fa rahabe ireo mpamitaka efa lasa amin'ijao tontolo ijao, ary ijy ireo die tsy magneky fa Jesosy Kristy die avy amin'ny nofo. Ijany no mpamitaka sy antikristy. 8Jereo ny tegnanareo, ba tsy hahavery ireo raha ijay efa vitantsena manontolo, fa ba handresanareo valim-pitia feno.9Na ija na ija mandeha eo aloha ary tsy mitoetra ao amin'ny fampenaran'i Kristy die tsy managna Andriamanitra. Ny raike je mitoetra ao amin'ny fampianarana, ijany raika ijany die managna ny Ray sy Janaka. 10Laha misy olo avy eo aminao ary tsy mitondra ijany fampenarana ijany, die aja mandray anajy ho ao andragnonao ary aja miarahaba anajy. 11Fa je merahaba anajy die miombogna amin'ny ratsy amboariny.12Managna raha maro hisoratana aminareo aho, nefa aho tsy magniry hanoratra an'ijany amin'ny taratasy sy ranomenty. Na die jany aja, magnantegna ny ho avy agny aminareo aho ary hijaka mivantagna, ba ho tanteraka ny fifalenareo. 13Magnano veloma anao ireo janaky ny rahavavinao vôfidy.

3 John

Chapter 1

1Aho loholona ijay mamangy an'i Galo malala, jay tieko amin'ny fahamarinana. 2Ry malala, mivavaka aho ba hambinina amin'ny raha manontolo anao ary ho salama, hôtran'ny hagnambinana ny fagnahinao. 3Fa nifaly indrindra aho tamin'ny bola nisy rahalahy avy ary nijoro vavolombelogna tamin'ny fahamarinanao, tahaka ny nandihananao amin'ny marina. 4tsy managna hafalena be noho an'itoy aho, die ny maharegny fa mandeha amin'ny fahamarinana ireo janako.5Ry malala, magnano asamahatoky anao na amin'ny ino na ino asa ataonao ho an'ny rahalahy sy ny vahiny, 6ijay nijoro vavolombelogna ny fitiavanao teo agnatrehan'ny fengonana. Tsara ny namboarinao laha alefanao mandeha amin'ny fomba mendrika an'Andriamanitra ijy areo, 7satria nohon'ny agnarana no nelany, tsy nitondra na ino na ino avy tamin'ny Jentila. 8Noho ijany antsena die tokony handray ny tahaka ijany koa, mba ho mpiara-miasa amin'ny fahamarinana antsena.9Nanoratra raha tamin'ny fengonana aho, kanefa Diotrefa, te-ho lohany amin'ijy ireo, die ny nandray anay. 10Noho ijany, laha avy aho, die ho tsarôko ny asa ijay nataone, ny fomba nijakane raha mahakamo manohitra anay miaraka amin'ny teny ratsy. Tsa afa-po tamin'ny asa, die tsy nandray ny rahalalahy ijy. Nandray ny ijay te-hagnano hôtean'ijne ijy ary nandrôka an'dreo hivôka ny fengonana.11Ry malala, aja mangala tahaka je ratsy fa je tsara. Ny raike jay magnano tsara die an'Andriamanitra; ny raike jay magnano ny ratsy die tsy nahita an'Andriamanitra. 12Ny rehetra sy ny fahamarinana die vavolombelogna magnambara an'i Demetrio. Ahay mandy koa die mijoro vavolombelogna, ary fantatrao fa marina ny fagnambaranay.13Nanagna raha maro hisoratana aminareo aho, fa tsy magniry hanoratra ireo aminareo amin'ny ranomenty sy penina aho. 14Kanefa aho magnantegna hahita anareo tsy ho ela, ary niresaka mivantagna antsena. 15Hôminareo anie ny fedagnana. Magnano veloma anao ireo sakeja atoy. Veloma agny amin'ireo sakeja kiraidraike araka ny agnarany aby.

Jude

Chapter 1

1Joda, mpanompon'i Jesôsy Kristy raike, rahalahin'i Jakoba, ho an-dreo ijay angehana hoe malala ao amin'Andriamanitra ilay Ray, sy vôtahiry ho an'i Jesôsy Kristy: 2Hampitomboina ho aminareo anie ny famindram-po sy ny fiadagnana ary ny fitiavana.3Ry malala, laha igny nagnano ny ejake abiaby hanoratre ho anareo ny mahakasike ny famonjena hiombonantsena igny iaho, die nanoratre ho anareo iaho mba hanosika anareo hiady mafy ho an'ilay finôna ijay efa natolotre indraika mandy ho an'ireo mpino. 4Fa ho an'ny olo saragny nisisike antsokosoko eo aminareo. Ireo die olo vômarike ho an'ny fagnamelohana. Ireo die olo ratsy fagnahy ijay manevateva ny fahasoavan'Andriamanitra ho agny amin'ny fijejojejoana, ary die manda ny Andriana sy Tompo tokantsena Jesôsy Kristy.5Ankehitriny iaho die te hampahatsiaro anareo_na die efa fantatrareo tanterake ary ijany_fa ny Tompo die nagnavotre ny olo avy tao amin'ny tany Egypta, fa tafaran'ijany die naringagna ijay abiaby tsy nino. 6Ary ireo anjely ijay tsy mitagna ny fahefana ijay napetrake tamin-dreo, fa ijay nandao ny fonegnan-dreo_Andriamanitra die namatotra an-dreo tamin'ny fatorana mandrakijay, ao amin'ny maijin-kitroke tanterake, ho amin'ny andron'ny fitsarana lehibe.7Hôtran'ijany Sodôma sy Gômôra sy ireo tanàna magnodidigna an-dreo, ijay nanolotre ny tegnan-dreo ho amin'ny fijangajangana sy ny fanaovana filana tsy ara-boajanahary. Die natao ohatre amin'ireo ijay mijaly amin'ny fagnasajiana agny amin'ny afo mandrakijay areo. 8Kanefa hôtran'ijany mandy, ireo mpagnofignofy ireo die mandoto mandy koa ny vatan-dreo, ary mijaka raha ratsy manohitre ireo manam-boninahitra.9Fa na die Mikaela arikanjely aja, laha niady tamin'ny devoly sy nifanditre tamin'ajy ny amin'ny fatin'i Mosesy, die tsy sahy nijaka ratsy hagnameloke an'ajy. Fa hoy koja ijy:'' Hagnanatre anao anie ny Tompo!''10 Fa ireo olo ireo die mijaka ratsy ny raha abiaby tsy fantane_hôtran'ny fahalalan'ny biby tsy manan-tsaigna_ijany no manimba an-dreo. 11Loja ho an-dreo! Fa laha nandeha tao amin'ny tanànan'i Kaina areo, ary nagnaraka ny fahadisoan'ny Balama hahajoana tamby. Die ringagna tao amin'ny fikomian'i Kora areo.12Ireo olo ireo ijay harambato mivony ao amin'ny sakafom-pitiavanareo. Mihinagna am-pahamegnarana, mamoky ny tegnan-dreo mandy. Areo die rahogna tsy misy rano, indôsin'ny rivotre. Hajo fararano tsy misy voany_Indro mate, niala vahane. 13Areo die onjan-dranomasina mahery, mitopatopa mamorivory ny fahamegnaran-dreo. Kintagna mirenireny areo, ka vôtahiry ho an'ajy mandrakijay ny fahamentisan'ny menjigna.14Ary Enoka, ilay fahafiton'i Adama, die efa naminany momba ireo, nijaka hoe:'' Indro! Ho avy ny Tompo miaraka amin'ireo masignany amagn'alignalina. 15Ho avy Ijy mba hagnatanterake ny fitsarana ny olo ratsy fagnahy abiaby tamin'ny asa vitany tamin'ny haratsiam-pagnahiny, ary ireo jaka mahare abiaby ijay nojakain'ny olo ratsy fagnahy hanohitre an'ajy.''16 Ireo die mpimonomonogna, sy mpimenomenogna, ijay magnarake ny filandratsin-dreo. Areo die mpieboebo tegnany, ijay, nohon'ny tombotsoan-dreo manokagna, die mandoka ny hafa.17Fa anareo, ry malala, tsarovy ireo jaka nojakain'ireo apostolin'ny Jesôsy Kristy Tompontsena fahaela. 18Hoy areo taminareo:'' Fa amin'ny andro farany die hisy mpaniratsira ijay nagnaraka ny filan'ny haratsiam-pagnahiny.''.Ireo19 olo ireo die mitarika fisarahana. Areo die olo araka ny nofo, ary tsy ma nagna Fanahy.20Fa anareo, ry malala, mioregna tsara eo amin'ny finônareo masina indrindra, ary mivavaha amin'ny Fanahy Masina.21 Mitoera anareo ao amin'ny fitiavan'Andriamanitra, ary andraso ny famindram-pon'i Jesôsy Kristy Tompontsena ijay mitondra anao ho amin'ny fiainana mandrakijay.22Mamidrà fo amin'ireo ijay misalasala.23 Vonjeo ary sariho hiala amin'ny afo ny olo saragny. Ary ny saragny indraike amindrao fo amin-tahotra. Mankahalà na die hatramin'ny akanjo nolotoin'ny nofo aja.24Ary ho an'ijay miaro anareo mba tsy ho tafintohigna, ary hahatonga anao hijoro eo agnatrehan'ny voninahine, tsy misy tsigny ary am-pifaliana lehibe, 25amin'Andriamanitra tokagna Mpamonjintsena tamin'ny alalan'i Jesôsy Kristy Tompontsena anie, ny voninahitre, ny fahalehibiazana, Ny fahefana, ny hery, talohan'ny fotôgna abiaby, ankehitriny, ary mandrakijay. Amena.

Revelation

Chapter 1

1Itiky ny fagnambaràna an'i Jesôsy Kristy ijay nomen'Andriamanitra an'aje hampisehôna an'ireo mpanompone ny raha tsy mentsy hisy. Nampahafantarine ijane tamin'ny alalan'ny fagnirahane ny anjeline hôn'i Jaona mpanompone. 2Jaona die nagnamarina ny momban'ny tenin'Andriamanitra sy ireo fijorôna vavolombelogna mahakasika an'i Jesôsy Kristy, sy ireo raha abiaby hitane. 3Sambatre ijy ijay mamaky amin'ny feo ambone, ary ijay miteno ny tenin'ijane faminaniana ijane, sy ijay mitandrigna ijay vôsoratra ao amin'ijane, satria efa marivo ny fotôgna.4Jaona negnagne amin'ireo fengonana fito tagne Asia: Hôminareo anie ny fahasoavana sy ny fedagnana avy amin'ilay ankehitriny, sy talohake, ary ho avy, sy avy amin'ireo fagnahy fito ijay eo agnatrehan'ny seja fendrianane, 5ary avy amin'i Jesôsy Kristy, ijay vavolombelogna marina, lahimatoa amin'ny maty, ary lehiben'ny mpanjakan'ny tany. Hôn'ilay tia antsena sy nagnafaka antsena tamin'ireo fahotantsena tamin'ny ràne --- 6Ijy die nagnano antsena ho fanjakana, mpisorogna hôn'Andriamanitra sy Iabane --- hôn'Ajy anie ny voninahitra sy ny fahefana mandrakijay doria. Amena.7Igne, avy amin'ny rahogna Ijy; ary ny maso abiaby hahita an'Aje, na die ireo nandefogna an'Ajy aja. Ny firenena abiaby ambonin'ny tany hitagny an'Aje. Ieke, Amena. 8''Iaho no Alfa sy Omega,'' hoy ny Tompo Andriamanitra, ''ilay ankehitriny, sy talohake, ary ho avy, die ilay Tsitoha.'' (Fagnamarihana: ny dikan-teny hafa talohaka die mivaky hôtran'ijao: ''Iaho no Alfa sy Omega, ny fendohàna sy fefaràna,'' hoy ny Tompo Andriamanitra.9Iaho, Jaona--rahalahinareo sy ilay raike ijay nijara taminareo tao agnatin'ny fijaliena sy fanjakana ary ny faharetana ao amin'i Jesôsy Kristy--- die tao amin'ny nosy angihina hoe Patmo noho ny jakan'Andriamanitra sy ny fijorôna vavolombelogna ny mahakasika an'i Jesôsy. 10Iaho die nitaritin'ny Fagnahy tamin'ny andron'ny Tompo. Naharegny feo mahery hôtran'ny trompetra tafarako teo iaho. 11Nagnano ijane hoe: ''Soraty ao amin'ny boky ijay hitanao, ka alefaso agne amin'ireo fengonana fito-- hôn'ny Efesosy, Smyrna, Pergamosy, Tyatira, Sardisy, Filadelfia, ary Laodikia.''12Nijaha ny magnodidigna iaho hoe feon'ija ijane nijaka tamin'ahe ijane, ary laha nitodika iaho die nahita fanôvan-jiro volamena fito. 13Ary teo agnivon'ny fanôvan-jiro nisy raike hôtran'ny Janak'Olo, nagnano akanjo lava hatagne amin'ny hongone, ary fehin-kibo volamena magnodidigna ny tratrane.14Ny lohany sy ny volony die fotsy hôtran'ny volon'ondry_fotsy hôtran'ny rano mandre, ary ny masony hôtrany lelanafo.15 Ny tongone mangiragna hôtran'ny varahigna, hôtran'ny varahigna vôdio teo amin'ny lafôro, ary ny feony hôtrahan'ny feona rano be mikoregna. 16Ary nanagna kintagna fito tegny an-tanagny ankavanana Ijy, ary sabatra roa lela maragnitra nivôka avy teo amin'ny vavane. Ny tarehine die najava hôtrany masoandro laha efa miredareda.17Laha efa nahita Anajy iaho, die lavo teo amin'ny tongony hôtrany olo maty. Nanendry anahy tamin'ny tanagne ankavanana Ijy ka nagnano hoe: "Aja matahotre. Iaho no vôlohany sy farane,18 ary ny raike ijay velogna. Efa maty Iaho, fa indro, velogna mandrakijay! Ary Iaho managna ny fanalahidin'ny fahafatesana sy ny Fiaignan-tsy hita.19Noho ijany soraty ijay hitanao, ijay ankehitriny, sy ijay hitranga afaran'ijao. 20Hôtrany java-misitrika mahakasike ny kintagna fito ijay hitanao tegny an-tanan-kavanako, sy ny fanôvan-jiro volamena fito: "Ny kintagna fito die ny anjelin'ny fengonana fito, ary ny fanôvan-jiro fito die ny fengonana fito."
Chapter 2

1Soraty ho an'ny anjelin'ny fiangonana ao Efesosy hoe: ''Ireto ny jaka laha tamin'ny raike ijay mitazogna ny kintagna fito amin'ny tanan-kavanany die mandeha eo amin'ireo fanaovan-jiro volamena, 2''Fantatro ijay efa vitanao sy ny asa mafinao die ny fiaretanao maharitra. Fantatro fa tsy afaka handefitre amin'ny olon-dratsy anao. Fantatro fa notsapainao ireo ijay milaza ajy reo ho apostoly, nefa fa tsy ijy, die hitanao ijy reo fa sandoke.3Fantatro fa managna faharetana anao, die nijaly mafy nohon'ny amin'ny agnarako, die tsy nilavo lefogna anao.4 Nefa manohitra anao iaho satria nemela ny fitiavanao vôlohany anao.5 Tsarovy noho ijany ny toerana ijay nahalavo anao. Mibebaha die manôva ny raha nataonao vôlohany. Fa raha tsy mibebake anao, die ho avy agny aminao iaho die hangala ny fanaovan-jironao amin'ny fipetrahany.6Feny ijao no ataonao: ''Halanao ny raha-vitan'ny Nikolaita, jay haloko mandy koa. 7Ôka jay manan-tadigny hiheno jai jakain'ny Fanahy ho an'ny fiangonana. Ho an'ny raike je maharesy die homeko alalagna hihinagna ny laha tamin'ny hazon'ny fiainana, jay ao amin'ny paradisan'Andriamanitre.'''''8Soraty ho an'ny anjelin'ny fiangonana agny Smyrna hoe: '' Ito ny jakan'ny raike je vôlohane die ny farany, ny raike je efa mate nefa velogna koa: 9''Fantako ny fahorinao sy ny fahantranao, nefa manan-karena anao. Fantako ny fitenenan-dratsy ho an'ny je miteny ny tegnany fa Jiosy, kanefa tsy ijy. Synagogan'i Satana areo.10Aja mangoaigna ny amin'jay efa hieratanao. Indro! Ny devoly die hanipy ny saragne aminareo agny amin'ny tragnomaezigna mba ho tsapaina anareo, die hijaly mandritry ny folo andro anareo. Matokia mandra-pahafaty, ka homeko anareo ny satro-boninahitry ny fiainana. 11Ijay manan-tandigny ôka ijy hiheno ijay jakain'ny Fanahy ho an'ny fiangonana. Ny raike je maharesy die tsy ho hivetrakin'ny fahafatesana faharoa.'''''12Soraty ho an'ny anjelin'ny fiangonana agny Pergamosy hoe: ''Ito ny tenin'ny raike jay managna begnitre roa lela: 13''Fantako jay onegnanao, die ao amin'ny hipetrahan'ny seza fiandrianan'i Satana. Die amijao mitagna mahere ny agnarako anao. Fantako fa tsy nandà ny finoanao ny aminahy anao, na die tamin'ny andron'i Antipasy vavolombeloko ajy, jay nahatoky Anahy, jay novonoina teo aminareo, tao amin'ny fonenan'i Satana.14Fa manan-jaka kely aminao Iaho:''Misy saragny aminareo mivahatre mafy ny fampianaran'ny Balama, ijay nampianatra an'i Balaka hametraka fanafintohinana eo anatrahan'ny zanak'Israely, mba hihinanan'dreo ny hanina natao sorona ho an'ny sampy die ho fijangajangana.15 Hôtran'ijany mandy, misy saragny aminareo mivahatre mafy ny fampianaran'ireo Nikoloita.16Mibebaha, noho ijany! Fa raha tsy ijany, die ho tonga malaky agny aminareo Iaho, die hifanandrina amin'dreo iaho miarake amin'ny sabatry ny vavako. 17Ôka ijay manan-tadigny hiheno ijay jakain'ny Fanahy ho an'ireo ijay maharesy, homeko, ny saragny amin'ireo mana mivony, die homeko vato fotsy miaraka amin'ny agnaram-baovao voasoratra eo amin'ny vato, anarana ijay tsy fantatr'olo afa-tsy ijay mandray ajy mandy.'''''18Soraty ho an'ny anjelin'ny fiangonana ao Tyatira hoe: 'Ireto ny jakan'ny Zanak'Andriamanitre, ijay manana maso hôtra ny lelafo die tongotre hôtra ny varahigna mangiragna:19''Fantako ijay vitanao: Ny fitiavanao sy ny finoanao sy ny fanomponao die ny faharetanao. Fantako fa ijay vitanao farany die rahabe noho ijay vitanao vôlohany.20kanefa ijao no hanoherako anao: Leferinao ny viavy Zezebela, ijay miantso ny tenany ho mpaminany vavy. Amin'ny alalan'ny fampianaran'ny die mamitake ireo mpanompoko ijy mba hijangajanga atao sorona ho an'ny sampy.21 Nagnome fotogna mba hibebahany Iaho, kanefa tsy mety hibebaka ny amin'ny fijangajangany ijy.22Indro! Hataoko marary eo ampandrena ijy, die ireo ijay mijangajanga miaraka aminajy die hampahoriako mafy, raha tsy mibebake amin'ny asa ratsin'ny viavy ijy reo. 23Ho vonoiko ho faty ireo zanany, die ireo fiangonana manontolo die hahalala fa Iaho ny mahita ny fieritreretana sy fihetsem-po. Homeko araka ny asanareo tsiraidraike aby anareo.24Fa ny aminareo ijay sisa ao Tyatira, ijay manontolo tsy mitajogna ijao fampianarana ijao, sy tsy mahalala ijay angihin'ny saragny hoe sain-dalin'i Satana_Ijao no jakaiko aminareo hoe: ''Tsy vesariko entagna hafa anareo.'' 25Na ijany aja, tsy maintsy mitajogna mahare ny finoanareo anareo mandram-peviko.26Ny raike ijay maharesy sy ijay manao ijay efa vitako hatramin'ny farany, die homeko ajy ny fahefana amin'ny firenana aby.27 'Hanapaka eo amin'ijy reo miarake amin'ny tehim-by ijy, hôtra ny fanorotoroina vilagny tany no hanapotehina ajy ireo.'28 Hôtra ny nandresako laha tamin'ny Iabako, no hagnomezako ajy kintagna maraigna mandy koa.29 Ôka ny raike ijay manan-tadigny hiheno ijay jakain'ny Fanahy ho an'ireo fiangonana.'''''
Chapter 3

1Soraty ho an'ny anjelin'ny fiangonana agny Sardisy hoe: 'Ijao no tenin'ny mitana ny Fanahy fiton'Andriamanitre sy ny kintana fito. ''Fantatro ijay nataonao. Malaza ho velogna anao, nefa anao maty.2 Mifohaza die hatanjaho ijay favela, fa efa ho faty, satria tsy hitako tanterake ny asanao eo amason'Andriamanitrako.3Tadidio, noho ijany, ijay noresinareo sy regninareo. Ankatoavy ijany, die mibebaha. Fa raha tsy mifoha anareo, die ho tonga hôtra ny mpangalatra Iaho, die tsy ho fantatrareo ny lera heveko aminareo. 4Fa misy agnaran'olo vitsivitsy agny Sardisy ijay tsy nandoto ny ankanjon'dreo. Henga hiaraka aminahy an'dreo, menkanjo fotsy, satria magneva.5Ny raike ijay maharesy die ho ampenkanjona fotsy, die tsy hamafa ny agnarany ao amin'ny Bokin'ny Fiainana mihitsy Iaho, die hijaka ny agnarany eo anatrehan'ny Iabako, sy eo anatrehan'ny anjeline. 6Ôka ijay manan-tadigny hiteno ijay jakain'ny Fanahy amin'ireo fiangonana.'''''7Soraty ho an'ny anjelin'ny fiangonana agny Filadelfia hoe: 'Ijao no jakan'ny raike ijay masina sy marina_ijy no mitagna ny la clé an'i Davida, ijy no mamoha die tsy misy na ija na ija magnidy, ijy no magnidy die tsy misy na ija na ija afaka manokatre.8 ''Fantako ijay vitanareo. Indro, nametrahako varavarana mivoha eo anatrehanareo ijay tsy afake hidin'ija na ija. Fantako fa manana hery kely anareo, ka nankàto ny jakako die tsy nandà ny agnarako.9Indro! Ireo ijay an'ny Synagogan'ny Satana, ireo ijay mijaka fa Jiosy an-dreo nefa tsy ijy akory; fa mivandy koja an'dreo. Hataoko tonga ka henkohoke eo an-tongotrao an'dreo, die ho avy an'dreo mba hahafantatre fa nitia anao Iaho. 10Satria efa nitandrigna ny didiko tamin'ny faharetana anareo, die hiaro anareo amin'ny andro fitsapana ijay efa ho tonga amin'ijao tontolo manontolo ijao mandy koa Iaho, mba hitsapa ny ijay miaigna eo ambonin'ny tany.11 Ho tonga tsy ho ela Iaho. Tano mafy ijay hanananao mba tsy hisy afake hangala ny satro-boninahitrao.12Ataoko andry eo amin'ny tempolin'nyAndriamanitro ijay mandresy, die tsy hiala eo mihintsy ijy. 13Ho soratako eo aminajy ny anaran'Andriamanitrako, ny agnaran'ny tanànan'ny Andriamanitro (ny Jerosalema vaovao, ijay mijotso laha tagny an- danktra laha tamin'ny Andriamanitrako ), sy ny agnarako. Ôka ijay manan-tadigny hiteno ijay jakain'ny Fanahy amin'ireo fiangonana.'''''14''Soraty ho an'ny anjelin'ny fiangonana agny Laodikia hoe: ''Ijao no jakan'ny Amena, ny vavolombelona mahatoky sy marina, ny manapake ny zava-boaharin'Andriamanitra.15 ''Fantako ijay nataonareo, die tsy manara na mafana anareo. Magniry Iaho mba ho manara na mafana anareo! 16Noho ijany, satria anareo matimaty_sady tsy mafana no tsy manara_ die efa halokan'ny vavako anareo.17Fa hoy anareo hoe: 'Manan-karena iaho, nanagna fitaovana rahabe, ka tsy mila na ino na ino.' feny tsy fantatrareo fa anareo no tena ory, mahatserike, misotry, fé die mijily. 18Tenoy ny torohevitrako: Mivanga volamena voadio tamin'ny afo aminahy mba ho tonga mpanan-karena anareo, die akanjo manjopiake mba ho afake mampitafy ny tegnanareo anareo ka tsy hampibôke ny hegnatre ny fijilianareo, die hagnosotre ny masonareo mba hahitanareo.19Ampiofaniko ny kiraidraike aby ijay tieko, die hampinariko an'dreo ny fomba tokony hiaingnan'dreo. Noho ijany, majotoa ary mibebaha.20 Indro, mijoro eto amin'ny varavaragna Iaho ary mandondogna. Raha misy mandre ny feoko ka mamoha ny varavaragna, die ho tonga ao an-dragnony Iaho ka hihinagna miaraka aminajy, die ijy miaraka aminahy.21Ny raike ijay mandresy, hatolotro ajy ny zo hipetraka miaraka aminahy eo amin'ny seza fiandrianako, hôtra ny nadreseko koa ka nipetrahako niaraka tamin'ny Iabako teo amin'ny seza fiandrianany. 22Ôka ijay manan-tadigny hiteno ijay jakain'ny Fanahy amin'ireo fiangonana.'''''
Chapter 4

1Tafaran'ijany raha ijany die nijaha iaho, ary nahita varangaragna raike nisokatre tegny amin'ny lagnitre. Ny feo vôlohany ijay regniko die nivoria tamin'ahy hôtran'ny trompetra, nagnano hoe:" Miakara etoy, ary ho abôkako anao ijay tsy maintsy hitranga afaran'ireo'raha ireo." 2Nisy fotôgna aho vôtariky ny Fanahy, ary nahita fa nisy seja fiandriagnana nipetrake tegny amin'ny lagnitre, nisy olo nidoboke teo ambonin'ijany. 3Ilay raike ijay nidoboke teo amboniny die miendrike hôtran'ny jaspa sy karneola. Nisy avagna nanaodidigna ny seja fiandriagnana. Ilay avagna die miendrike hôtran'ny emerôda.4Nisy seja fiandriagnana efatra amby roapolo nagnodidigna ilay seja fiandriagnana, ary loholona efatra amby roapolo no nidoboke teo ambonin'ireo seja fiandrianagna, niakanjo fotsy, niarake tamin'ny satro-boninahitre volamena tegny an-dohan-dreo. 5Avy tamin'ilay seja fiandriagnana no nisy tsela-pahajavana, kotroke, ary kotro-baratre. Nisy jiro fito nirehitre teo alohan'ny seja fiadrignana, jiro ijay fagnahy fiton'Andriamanitra.6Teo alohan'ny seja fiandriagnana die nisy ranomasina fitaratre, hôtran'ny kristaly. Ireo java-managn'aigna efatre die teo ampovoan'ny seja fiandriagnana sy nagnodidigna an'ijany, feno maso, teo alohany sy tao an-damosigny.7Ilay java-managn'aigna vôlohany die hôtrin'ny ny liogna, ilay java-managn'aigna faharoe hôtrin'ny janaka aombe, ilay java-managn'aigna fahatelo die miendrike olo, ary ilay java-managn'aigna fahaefatre hôtran'ny voro-mahere magnembogna. 8Ireo zava-managn'aigna efatre die samy managna elatre enina aby, feno maso ny ambony sy ny ambany. Andro sy Aligna areo die tsy miegnina mijaka hoe: ''Masina, masina, masina ilay Tompo Andriamanitra Tsitoha ijay nisy, sy misy, ary mbola ho avy."9Na ovena na ovena ireo java-managn'aigna die hagnome voninahitre, laja, ary fisôrana an'ilay raike ijay midoboke eo amin'ny seja fiandriagnana, ilay raike ijay velogna mandrakijay doria, 10ireo loholona efatre amby roapolo die nampiankohoke ny tegnan-dreo eo alohan'ilay raike ijay midoboke eo amin'ny seja fiandriagnana. Miankohoke eo amin'ilay raike ijay velogna mandrakijay doria areo, ary nanipy ny satro-boninahi-dreo teo alohan'ny seja fiandriagnana, mijaka hoe: 11"Mendrike anao, ry Tomponay sy Andriamanitray, handray ny voninahitre sy ny laja ary ny hery. Fa Anao no mamorogna ny raha abiaby, ary tamin'ny alalan'ny sitraponao, die nisy areo ary noharana."
Chapter 5

1Ary nahita ny tagnanan-kavanan'ilay raike ijay nidoboke teo amin'ny seja fiandrianagna iaho, horognan-taratasy vôsoratre eo aloha sy ao afara. Ary nofehejina tamin'ny tombo-kase fito ijany. 2Nahita anjely mahery nagnambara tamin'ny feo mahare iaho, nijaka hoe: ''Ija no mendrike ny hanokatre ny horognan-taratasy ary hamoha ny tombo-kasen'ijany?''3Tsy misy olo avy laha hatan-dagnitra na eto an-tany na ambanin'ny tany ka afake hanokatre ny horognan-taratasy na hamaky ijany. 4Nitomagny mahare iaho- satria tsy nisy olo hita mendrika ny hanokatra ny horognan-taratasy na hamaky ijany. 5Kanefa raike tamin-dreo loholo nijaka tamin'ahy hoe: "Aja mitomagny. Itoy! ilay liognan'i fokon'i Joda, ilay taranak'i Davida, die nandresy. Afake ny hanokatre ny horognan-taratasy sy ireo tombo-kase fito ijy.6Nahita Janak'ondry mitsangagna eo agnelagnelan'ny seza fiandriagnana sy ireo raha manan'aigna efatre ary eo agnivon'ireo loholo iaho. Hôtran'ny hoe olo novonoina ijy.Nanagna tandroke fito sy maso fito ijy; areo ireo no fanahy fiton'Andriamanitra nalefa naneragna ny tany. 7Nandeha ijy ary nangala ilay horognan-taratasy tegny amin'ny tanan-kavanan'ilay raike ijay nidoboke teo amin'ny seja fiandrianagna.8Laha noresin'ilay Janak'ondry ilay horognan-taratasy, ireo raha manan'aigna efatra sy ireo loholo efatra amby roapolo die nampiankohoke ny tegnan-dreo teo an-katrehany. Samy nanagna lokanga sy lovia volamena feno emboke magnitre aby ny kiraidraike tamin-dreo, ijay vavak'ireo mpino.9Nihira hira vaovao areo:'' Mendrike ny handray an'ilay horognan-taratasy anao ary hanokatre ny tombo-kasen'ijany. Fa anao die novonoina, ary tamin'ny rànao no nivangana an'ireo olon'Andriamanitra avy tamin'ny foko, fijakana, olo, ary firenena abiaby. 10Nataonao fanjakana sy mpisorogna areo mba hanompo an'Andriamanitra, ary hanjaka eto an-tany.''11Avy eo iaho die nahita sy naharegne feon'anjely rahabe nagnodidigna ny seja fiandrianagna sy ireo zava-manan'aigna ary ireo loholo. Ny fitambaran-dreo die aman'aligna aligna. 12Nijaka tamin'ny feo mahare areo hoe: ''Mendrike anie ilay Janak'ondry ijay novonoina mba handray fahefana, harena, fahendrena, hery, laja, voninahitre, ary dera.''13Naharegne ireo raha vôforogna abiaby ijay tagny an-dagnitra sy teto an-tany ary an-dranomasina iaho- ny raha abiaby tao agnatin'ireo-nijaka hoe: "Ho an'ilay raike ijay midoboke eo amin'ny seja fiandrianagna sy ho an'ilay Janak'ondry, anie ny dera, ny laja, ny voninahitre, ary ny fahefana handidy, mandrakijay doria.'' 14Ireo zava-manan'aigna efatre, nijaka hoe: ''Amena!'' Ary ireo loholo niankohoke sy nivavake. [Fagnamarihana: Ny sarany amin'ireo dikan-teny taloha die mivaky hoe: ''Ireo loholo roa amby efapolo die niankohoke sy nanompo an'ilay raike ijay velogna mandrakijay doria.'']

Chapter 6

1Laha efa nanokatre ny raike tamin'ny tombo-kase fito ny Janak'ondry die nijaha aho, ary naharrgne ny raike tamin'ny java-mananan'aigna efatre tamin'ny feo hôtra ny kotroka iaho nijaka hoe: "Malaky! 2Nijaha iaho ary nisy sôvaly fotsy teo. Ny ny mideba ijany die nitajogna tsìka, ary namena satro-boninahitra ijy. Nivôka hôtran'ny mpandresy ijy mba handresy.3Laha efa nanokatre ny tombo-kase faharoa ny Janak'ondry, die naharegne ny java-manan'aigna faharoa iaho nijaka hoe: "Malaky!"4 Die nisy sôvaly hafa nivôka-mirehitra mena. Ny mpideba ijany no namena alalagna hangala ny fiedagnana amin'ny tany, mba hifamono ny olone. Io mpideba io die namena sabatra lehibe.5Laha efa nanokatre ny tombo-kase fahatelo ny Janak'ondry, die naharegne ny java-manan'aigna fahatelo iaho nijaka hoe:"Malaky!" Nahita sôvaly menty iaho, ary ny mpideba ijany die nitàgna mijàna tegny an-tagnany.6 Naharegne hôtrany feo tamin'ny java-manan'aigna efatra iaho nijaka hoe: "Ny vary eran'ny fatram-bary ho an'ny denaria raike, ary ny hordea in-telon'ny fatram-bary ho an'ny denaria raike. Fa aja manimba ny menaka sy ny divay."7Laha efa nanokatra ny tombo-kase fahaefatra ny Janak'ondry, die naharegne ny feon'ny java-manan'aigna fahefatra iaho nijaka hoe: "Malaky!8 Die nahita sôvaly hatsatre iaho. Ny mpideba ijany die angehina hoe Fahafatesana, ary ny Fasagna die nagnaraka anajy. Namena fahefana amin'ny ampaha-efatry ny tany areo, mba hamono amin'ny sabatra, mosary sy aretigna, ary amin'ny bibidian'ny tany.9Laha efa nanokatra ny tombo-kase fahadimy ny Janak'ondry, die hitako tao ambany alitara ny fagnahin'ireo ijany novonoina noho ny tenin'Andriamanitra sy ny fijoroana vavolombelogna ijay notànan'dreo.10 Nikoaike tamin'ny feo mahare areo hoe: "Mandra-pahoviena, ry marina, no hitsaranao ireo ijay miaigna eto an-tany, sy hamalenao faty ny rànay?11 Die namena akanjolava ny tsiraidraike tamin'dreo, ary nijakaina areo fa tokony hiandry kelikely mandra-pajahôna ny isa fenon'ny mpiara-manompon'dreo sy ny rahalahy sy anabavin'dreo ijay tokony hivinina areo, hôtran'ny namonôna an'dreo.12Laha efa nanokatra ny tombo-kase faha enina ny Janak'ondry, die nijaha iaho ary nisy horohoron-tany lehibe. Lasa menty hôtrany lamba fisaognana ny masoandro, ary ny volagna fenomanagna die lasa hôtrany rà. 13Ny kitagna tegny amin'ny lagnitra die latsaka tety an-tany, hôtrany aviavy magnitsagna ny vôny manta laha efa ahetsiky ny rivotra mahere. 14Ny lagnitra die nanjavogna hôtran'ny horonan-taratasy ijay nahorongorogna. Ny tendrombohitra sy ny nosy manontolo die nalaina tamin'ny toerane.15Avy teo ny mpanjakan'ny tany sy ny olo manan-danja, sy ny jeneraly, ny mpanan-karena, ny mahery, ary ny hafa aby daholo, andevo sy afaka, nisitrika tao agnatin'ny lava-bato sy tamin'ny vatolampin'ny tendrombohitra.16 Nijaka tamin'ny tendrombohitra sy tamin'ny vatolampy areo: "Milavoa aminay! Asitriho amin'ny tavan'ny ijay mipetraka eo amin'ny seja fiandrianana sy amin'ny fahavigniran'ny Janak'ondry ahay. 17Fa Tonga ny andro lehiben'ny fahavigniran'dreo. Ija no hahavita hiaritre?"
Chapter 7

1Tafaran'ijany die nahita anjely efatre nitsangagna teo amin'ny joro tany efatre iaho, nanohitra mafy ny rivotra efatry ny tane, mba tsy hisy rivotra hitsoka amin'ny tany, amin'ny ranomasina, na hifanohitre amin'ny hajo rehetre.2 Nahita anjely hafa iaho niakatre avy tagny antsignanana, ijay nanagna ny tombo-kasen'Andriamanitra velogna. Nihieka tamin'ny feo mahare tamin'ny anjely efatra ijay nahajo alalagna hanimba ny tany sy ny ranopasina ijy hoe:3 "Aja simbaina ny tany, ny ranomasina, na ny hajo mandra-pagnisiantsena ny tombo-kase eo amin'ny handrin'ireo mpanompon'Andriamanitsena."4Naharegny ny isan'ny ijay vôtombo-kase iaho: 144,000, no vôtombo-kase avy tamin'ny fokon'ny olon'israely rehetre: 5Roa arivo sy iray aligna no vôtombo-kase avy tamin'ny fokon'i Joda, roa arivo sy iray aligna avy tamin'ny fokon'i Robena, roa arivo sy iray aligna avy tamin'ny fokon'i Gada, 6roa arivo sy iray aligna avy tamin'ny fokon'i Asera, roa arivo sy iray aligna avy tamin'ny fokon'i Manase.7Roa arivo sy iray aligna avy tamin'ny fokon'i Simeona, roa arivo sy iray aligna avy tamin'ny fokon'i Levy, roa arivo sy iray aligna avy tamin'ny fokon'i Isakara,8 roa arivo sy iray aligna avy tamin'ny fokon'i Zebolona, roa arivo sy iray aligna avy tamin'ny fokon'i Josefa, ary roa arivo sy iray aligna avy tamin'ny fokon'i Benjamina no vôtombo-kase.9Tafaran'ny javatre io die nijaha iaho, ary nisy olo maro be ijay tsy tambo isaina---avy tamin’ny firenena, foko, olo, ary fijaka rehetre---- nitsangagna teo alohan'ny seja fiandrianana sy teo alohan'ny Janak'ondry. Nagnano ankanjo lava fotsy sy mitagna sampan-drofia tegny amin'ny tagnan'dreo,10 ary nangaika mahare tamin'ny feo mahere areo nagnano hoe: "Ny famonjena die an'Andriamanitsena ijay mipetrake eo ambonin'ny seja fiandrianana, sy an'ny Janak'ondry!"11Ny anjely rehetre nitsangagna magnodidigna ny seja fiandrianana sy magnodidina ny loholona sy ny java-manan-aina efatra, ary areo die nampenkohoka ny tavan'dreo teo alohan'ny seja fiandrianana. Nivavaka tamin'Andriamanitra areo12 nagnano hoe: "Amena! Dera, voninahitra, fahendrena, fisôrana, fahefana, ary hery anie ho an'Andriamanitsena mandrakijay doria! Amen!"13Avy teo ny raike tamin'ny loholona nagnotany anahy hoe: "Ija ny, mitafy akanjolava fotsy, ary avy aja areo?" 14Hoy iaho taminaje: "Tompoko, Anao mahafantatre, " ary hoy ijy taminahe: Io no hivôka avy amin'ny Fahoriana Lehibe. Nisasan'dreo ny akanjolavane ary nifotsena tamin'ny ràn'ny Janak'ondry.15Noho ijany antony ijany, die eo alohan'ny seja fiandriananan'Andriamanitra areo, sy mivavaka aminaje andro aman'aligna ao amin'ny fengonane. Ny raike ijay nipetraka teo amin'ny seja fiandrianana die hamelatra ny laine amin'dreo. 16Tsy ho mosaregna koa areo, na hangetaheta koa. Tsy hamely anajy ny masoandro, na ny hafanana mandoro. 17Fa ny Janak'ondry eo agnivon'ny seja fiandrianana no ho mpiandry an'dreo sy hitari-dalana an'dreo agny amin'ny loharanon'ny rano velogna, ary hifafan'Andriamanitra ny ranomaso rehetre amin'ny mason'dreo."
Chapter 8

1Laha efa notatahan'ny Janak'ondry ny tombo-kase fahafito, die fahanginana tagny an-dagnitra teo amin'ny asasak'adiny teo.2 Avy teo die hitako ny anjely fito ijay nitsangagna teo alohan'Andriamanitra, ary namena trompetra fito areo.3Nisy anjely hafa tonga, nitajogna lovia volamena fandorôna dintin-kajo matnitra, nitsangagna teo ambonin'ny alitara. Ditin-kajo magnitra maro no namena anajy mba hanolorane ijany miaraka amin'ny vavakin'ny mpino manontolo eo ambonin'ny alitara volamena fandorôna ditin-kajo magnitra eo alohan'ny sejam-boninahitra.4 Ny setrokin'ny ditin-kajo magnitra, miaraka amin'ny vavakin'ny mpino, die niakatra teo alohan'Andriamanitra avy amin'ny tagnan'ny anjely.5 Nangala ny lovia fandorôna ditin-kajo magnitra ny anjely ary nameno ijany tamin'ny afo avy teo amin'ny alitara. Avy teo natsipiny tamin'ny tany ijany, ary nisy kotro-baratre, kotroka, tselatra, ary horohon-tany.6Ny anjely fito ijay nanagna ny trompetra fito die niomagna hitsoka ijany.7 Nitsoka ny trompetrane ny anjely vôlohane, ary nisy havandra sy afo mifangaro rà. Natsipy tety an-tany ijany mba ho may ny ampahatelon'ijany, may ny ampahatelon'ny hajo, ary may aby ny ahi-metso. (Fagnamarihana: Ny saragny amin'ny dikan-teny taloha die mangala ny hoe: "mba ho may ny ampahatelon'ijany.")8Nitsoka ny trompetrane ny anjely faharoa, ary nisy raha hôtrany tendrombohitra angejabe nirehitr'afo natsipy tagny an-dranomasina. Lasa rà ny ampahatelon'ny javamanan'aigna tao an-dranomasina, 9maty ny ampahatelon'ny java-mana'aigna tao an-dranomasina, ary rava ny ampahatelon'ny sambo.10Nitsoka ny trompetra ny anjely fahatelo, ary nisy kintagna lehibe nilatsaka avy agny an-dagnitra, mirehitra hôtran'ny fanilo, tamin'ny ampahatelon'ny ony sy loharano.11 Java-mangidy no agnaran'ny kitagna. Lasa nangidy ny ampahatelon'ny rano, ary olo be no maty tamin'ny rano ijay lasa nangidy.12Nitsoka ny trompetrany ny anjely faha-efatra, ary niova ny ampahatelon'ny masoandro, hôtrany ampahatelon'ny volagna sy ny ampahatelon'ny kintagna. Noho ijany die lasa menty ny ampahatelone; tsy nisy hajavana ny ampahatelon'ny andro sy ny ampahatelon'ny aligna.13Nijaha iaho, ary naharegny voro-mahary ijay nagnembogna tegny agnivon'ny lagnitra, nangaike tamin'ny feo mahare hoe: '"Loja, Loja, ho an'ireo ijay monigna egny amin'ny tany, nohon'ny feona trompetra sisa ijay efa tsofin'ny anjely telo."
Chapter 9

1Nampagneno ny trompetrany ny anjely faha dimy. Nahita kintagna avy lahatagny a dagnitra aho ijay lavo tegny amin'ny tany. Die igny kintagna igne no namena ny fagnalahidin'ny lavaka tsy hita fitaperana.2 Nivohany ny lavaka tsy hita fitaperana,ary niakatra ny setroka nivôka avy tao amin'ny lavaka hôtran'ny setroka mivôka avy amin'ny lafôro lehibe. Niova ho maloka ny masoandro sy ny rivotra nohon'ny setroka nivôka tao an-davake.3Avy amin'ny setroka no nieven'ireo valala teto ambon'ny tany, ary namena hery hôtran'ny hala teto ambon'ny tany ijy ireo. 4Nijakaina ijy ireo ba tsy hanimba ny ahitra teto ambon'ny tany na ireo java-maniry metso na hajo, fa ireo olo ijay tsy managna tombokasen'Andriamanitra irery mandy no ajon'ijy ireo ampijalena.5Tsy nahajo alalagna ny hamono ireo olo ireo ijy ireo, fa hampijaly anajy ireo mandritra ny dimy volagna mandy. Ny fahararen'ijy ireo die hôtran'ny kekitra hala laha efa mamele olo. 6Amin'io andro io die handremby fahafatesana ny olo, fa tsy hahita an'ijany. Hagniry ny ho maty mafy die mafy ijy ireo, nefa hilefa anajy ireo ny fahafatesana.7Hôtran'ny sôvaly nomagnina tamin'ny ady ireo Apanga. Tamin'ny lohan'ijy ireo die nisy raha hôtran'ny satro-bolamena, ary ny vatagn'ijy ireo die hôtran'ny vatagn'olombelogna. 8Nanagna volo hôtran'ny volom-biavy ijy ireo, ary ny nifin'ijy ireo die hôtran'ny nifin'ny Liogna. 9Nanagna ferovan-tratra hôtran'ny ferovan-tratra vy ijy ireo , ary ny feon'ny elatr'ijy ireo die hôtran'ny feon'ny kalesa sy sôvaly rahabe mihajakajaka ho agny amin'ny ady.10Nanagna rambo nisy fanindrognana hôtran'ny hala ijy ireo; ao amin'ny rambogn'ijy ireo no misy ny hery hanimba ny olo nandritry ny dimy volagna. 11Nanagna mpanjaka ijy ireo die le anjelin'ny lavaka tsy hita maso. Ny agnarany tamin'ny jaka Hebreo die Abadona, ary ny agnarany tamin'ny jaka Grika die i Apolyona. 12Lasa ny loja vôlohany. ka, afaran'ijao die bola hisy loja rolahiteo ho avy.13Nampagneno ny trompetrany le anjely faha enina, arynaharegny ny feo ni ôke avy tamin'ny tandroky ny alitara volamena ijay efa nisy teo agnatrehan'Andriamanitra aho. 14Ary nijaka tamin'ilay anjely fahe enina ny feo magnano hoe: ''Avotory ireo anjely efatra ijay mifehy agny amin'y renirano lehiben'ny Eofrata.'' 15Ireo anjely efatra ijay efa nomagnina tamin'ijany lera ijany, ijany andro ijany, ijany volagna ijany ary ijany taogna ijany, die navosotra ba hamono ny ampahatelon'ny olombelogna.16Ny isan'nymiaramila nideba sôvaly die 200,000,000. Naharegny an'ireo isa ireo aho. 17Hôtran'ny jany ny fomba nahitako ireo sôvaly tao amin'ny fahitako sy ireo je nideba teo amin'ijy ireo die mirehitra mena, manga antitra ary solifara mavo. Nitovy tamin'ny lohan'ireo liogna ny lohan'ireo sôvaly, ary ny nivôka avy tamin'ny vavan'ijy ireo die afo, setroka ary solifara.18Ary ny ampahatelon'ny olo die matin'ireo loja telo: ny afo, ny setroke ary ny solifara ijay nivôka avy tao ambavan'ijy ireo.19 Fa ny herin'ireo sôvale die avy tao amin'ny vavan'ijy ireo sy tamin'ny rambombogna andro, fa ny rambogn'ijy ireo die hôtran'ny biby lava ary nanagna loha afaka mamôratra olo ijy ireo.20Ny ambin'ireo olo, ireo jay sisa tsy matin'ireo loja, die tsy nibebaka tamin'asa ijay vitandreo, na nijanogna nanompo ireo sampy sy demony volamena, volafotsy, varahigna, vato, ary hajo, ireo raha jay tsy hita maso, regny, na mandeha. 21Ijy ireo die bola tsy nibebaka tamin'ny asa famonôna, ny famosaven'ijy ireo, ny fijangajangana ny ireo asa famosaven'ijy ireo
Chapter 10

1Aviteo aho die nahita anjely mahery hafa nidigna avy agny an-dagnitra. Tao agnaty rahogna ijy, ary nisy havagna teo ambon'ny lohany. y tarehiny die miendrika masoandro, ary ny hongony die tahaka ny andry afo. 2Mitagna horognan-taratasy bitike mivelatra amin'ny tagnany ijy, ary mametraka ny hongony havanana amin'ny ranomasina sy ny hongony havia amin'ny tany.3Aviteo ijy die nihieke tamin'ny feo maharé hôtran'ny fierognerognan'ny Liogna. Laha efa nihieka ijy die nikotroka maharé tamin'ny feony ny kotroka fito, 4 Laha efa nikotroka ny kotroka fito,die teo andalam-panoratana aho, fa naharegny feo avy lahatagny andagnitra aho nijaka hoe: ''Tano ho tsembaratelo ijao nijakain'ny kotroka fito ijao. Aja soratana ijany.''5Aviteo ny anjely hitako nijangagna teo ambony ranomasina sy teo amin'ny tany, nanandratra ny tagnany havanana tagny an-dagntre. 6Ijy nianinana tamin'ny Ray ijay velogna mandrakijay doria, Ijy namorogna ny lagnitra sy je rehetra ao amin'ijany, ary ny ranomasina sy je rehetra ao agnatin'ny ijane, ary ny anjely nijaka hoe: ''Tsy hisy fembenana koa. 7Fa amin'ny andro raike laha efa hampagneno ny trompetrany ny anjely fahafito, die ho tanteraka ny misiterin'Andriamanitra, hôtran'ny tamin'ny nagnambarany tamin'ny mpanompony.''8Die ny feo regniko avy lahatagny a dagnitra nijaka taminahy indraika koa hoe: ''Mandihana, alay ny horognan-taratasy mivelatra ijay egny antagnan'ny anjely mitsangagna eo ambon'ny ranomasina sy ambon'ny tany'' 9Aviteo die nenga tagny amin'ny anjely aho ary nijaka anajy ba hagnome anahy ny horogna-taratasy bitike. Hoy ijy taminahy: ''Reso ny horognan-taratasy ary hano. Hampafaika ny ao an-trokanao ijany, fa ao agnaty vavanao koja die ho mamy hôtran'ny tintely.''10Nalaiko tami'ny tagnan'ny anjely ny horognan-taratasy bitike ary nihoaniko ijane. Mamy hôtran'ny tintely tao ambavako ijane, fa tafaran'ny nihinanako anajy, die nanjary nangidy ny tao an-trokako. 11Aviteo nisy olo raike nijaka taminahy hoe: ''Tsy mentsy maminagny indraika anao makasika ireo olo rahabe, ireo firenena, ireo fijakana ary ireo mpanjaka.''
Chapter 11

1Namena folontara ba hampesaina tahaka ny tehigna aho. Nijakaina taminahy hoe: ''Mitsangana ary metary ny tempolin'Andriamanitra sy ny alitara, ary ireo je nivavaka ao. 2Fa aja metarina ny kianja eo ambohon'ny Tempoly, fa namena an'ireo Jentilisa ijany. Handidia ny tanàna masigna nandritry ny roa ambin'ny efapolo volagna ijy ireo.3Hameko an'ireo vavolombelogna roa ny fahefana haminagny mandritry ny 1,260 andro, nisikigna lamba fisôgnana.'' 4Ireo vavolombelogna ireo die hojon'olova roa sy ny fitoeran-jiro roa ijay nitsangagna teo teo agnatrehan'ny Tompon'ny tany. 5Laha misy olo misafidy ny handratra anajy ireo, die nivôka afo ny vavan'ijy ireo ka hihinagna ireo fahavalon'ijy ireo. Na ija na ija magniry ny handratra anajy ireo die tsy mentsy hivonina amin'ijany fomba ijany.6Ireo vavolombelogna ireo die managna fahefana hagnidy ny lagnitra ba tsy hilatsahan'ny erika mandritry ny andro haminagnen'ijy ireo. Manam-pahefana ijy ireo hagnova ny rano ho rà sy hamely ny tany amin'ny karajagna loja manontolo na ovena na ovena irin'ijy ireo.7 Laha efa ho vita ny fijorôn'ijy ireo vavolombelogna, die miakatra avy agny agnaty lavaka tsy hita fitaperana ny bibidia hiady hanohitra anajy ireo. Handresy anajy ireo Ijy ary hamono anajy ireo.8Hiampatra egny amin'ny lalagnan'ny tanàn-dehibe ny fatin'ijy ijy ireo (ijay antsoina koa hoe Sodoma sy Egypta) ijay namantsihana ny Tompon'ijy ireo. 9Hijery fatin'ijy ireo mandritra ny telo andro sy tapagny ny olo, ny foko, fijakana, ary ny firenena manontolo. Tsy havelan'ijy ireo apetraka ao am-pasagna areo.10Ireo ijay miaigna ambon'ny tany die hifaly amin'ijy ireo ary hankalaja. Hifandefa fagnomejana mihitsy aja ijy ireo satria nampijaly ireo jay miaigna ambon'ny tany ireo mpaminagny roa ireo. 11Fa afaka telo andro sy tapagny die hiditra ao amin'dreo ny fofon'aigna avy amin'Andriamanitra, ary nijoro amin'ny tongony areo. Hilatsaka amin'ny ijay mahita ny tahotra lehibe. 12Aviteo die haharegny feo avy agny andagnitra ijy ireo mijaka anajy hoe: ''Mekara teo!'' Aviteo die hiakatra ho agny andagnitra ao agnaty rahogna ijy ireo, laha bola mijery tagny ireo fahavalon'ijy ireo.13Amin'ny ijany lera ijany die hisy horohoron-tany maharé, ary hirodagna ny ampahafolon'ny tanàna. Fito arivo ny olo ho maty amin'ny horohorontany, ary ho rekitahotra ireo olo sisa tsy maty ary hagnome voninahitra an'Andriamanitry ny lagnitra. 14Lasa ny loja faharoa. Ka, avy malaky ny loja fahatelo.15Aviteo die nampagneno ny trompetrany ny anjely fahafito, ary nisy feo maharé nijaka tagny andagnitra magnano hoe: ''Hanary fa jakan'ny Tompotsena sy ny Kristine ny fanjakan'ijao tontolo ijao. Ijy no hanjaka mandrakijay doria.''16Aviteo ireo loholona efatra ambin'ny rôpolo ijay nitoboka tamin'ny seja fiendriagnan'ijy ireo teo agnatrehan'Andriamanitra die nampekohoka ny tegnan'ijy ireo. Nankalaja an'Andriamanitra ijy ireo. 17Hoy areo: ''Magnome fisôrana ho anao ahay, ry Tompo, Andriamanitra Tsitoha, ilay ankehitriny sy taloha, satria nangala ny herinao lebibe anao ary nanomboka nanjaka. (Fagnamarihana: Ny saragny amin'ireo dika teny taloha die mivaky hoe: ny mpanapaka ny manontolo, ny ankehitriny sy taloha, ary ny ho avy, fa ny dika teny amin'ijao fotôgna ijao tsy hôtran'ny jany18Vignitra be ireo firenena, k'anefa avy ny fahavigniranao. Avy ireo fotôgna hitsarana ny maty sy hamalenao soa ireo mpaminagny mpanomponao, na ny tsy manan-danja na ny mahery. Avy ny fotôgna ijay handringananao ireo je manimba ny tany.''19Aviteo die nivoha ny tempolin'Andriamanitra tagny an-dagnitre ary hita ny fiaran'ny fagnekena tao agnatin'ny tempoliny. Nisy tsela-pahajavana, kotroka, kotrok'erika, horohoron-tany, havandra angeja tao.
Chapter 12

1Famantarana lehibe no hita tagny an-dagnitre: viavy nitafy ny masoandro, ary ny volagna teo ambanin'ny tongony, ary satro-boninahitre vita tamin'ny kitagna roa ambin'ny folo no teo amin'ny lohany. 2Betroke ijy, ary nihiaka mahare fa efa ho teraka, ao anatin'ny fihetsehan-jaja.3Avy eo nisy famantarana hafa nibôke tagny an-dagnitre: Indro! nisy dragona mena angejabe ijay nanagna loha fito teo amin'ireo lohany. 4Ny rambony die nifaoke ny ampahatelon'ny kintagna tagny an-dagnitre sady nanipy an-dreo tegny amin'ny tany. Ilay dragona nitsangagna teo alohan'ilay viavy ijay efa ho terake, ka laha terake ijy, die afake handrapaka ny janany ijy.5Niterake jajalahy ijy, ijay hanapake ny firenena abiaby miarake amin'ny tehim-by. Ny janany die nalaina an-kerine ho agny amin'Andriamanitra sy ho eo amin'ny seja fiandriagnany, 6ary ilay viavy die nilefa nenga agny agn'efitre, ijay nisy toerana efa nomanin'Andriamanitra ho an'ajy, koa die ho vôkarakara mandritry ny 1260 andro ijy.7Ary nisy ady tagny an-dagnitre. Mikaela sy ireo anjeliny die niady tamin'ilay dragogna; ary ilay dragogna sy ny anjeliny die namaly ady. 8Fa tsy die natanjake ilay dragogna ka tsy naharese. Koa tsy nisy toerana ho an'ajy sy ireo anjeliny koa tagny an-dagnitre. 9Ilay dragogna lehibe - ijay menaragna ela nantsoina hoe devoly na Satana, ilay namitake an'ijao tontolo ijao-die natsipy tegny ambonin'ny tany, ary ireo anjeliny die natsipy niaraka tamin'ajy.10Avy eo naharegne feo mahare avy agny an-dagnitre Iaho:" Ankehitriny die tonga ny famonjena, ny hery, ny fanjakan'Andriamanintsena ary ny fahefan'i Kristy. Fa ny mpiampanga ny rahalahintsena die natsipy tagny ambany, ilay raike ijay miampanga an-dreo andro aman'aligna eo ankatrehan'Andriamanintsena.11Areo die naharese an'ajy tamin'ny ràn'ny Janak'ondry sy tamin'ny jaka fijoron-dreo vavolombelogna, fa tsy nankamamy ny fiainany koa areo na die ho faty aja. 12Noho ijany, mifalia, anareo ry lagnitre, sy ijay abiaby monigna ao amin'ajy. Fa mitandrema ny amin'ny tany sy ny ranomasina satria ny devoly die nijotso tegny aminareo. Feno havignirana ijy, satria fantany fa fotôgna fohy sisa no hanagnany.13Laha nahafantatre ilay dragona fa nadaboke tamin'ny tany ijy, die nagnejike ilay viavy niterake jajalelahy ijy. 14Fa ilay viavy die nomena elatre roan'ny voromahere lehibe, ka die afake nagnembogna nenga agny amin'ilay toerana nokarakaraina ho an'ajy tagny agn'efitre.Io ilay toerana hitsinjovana an'ajy, mandritry ny telo taogna sy tapany- mba tsy ho hitan'ilay menaragna.15Namôke rano hôtran'ny ranobe tamin'ny vavany ilay menaragna, ijay hifaoke an-draviavy. 16Fa ny tany nagnampy an-draviavy. Nosokafan'ny tany ny vavany ary die nateligny ny riake ijay navoakan'ny vavan'ilay dragona. 17Ary vignitre tamin-draviavy ilay dragogna ka niala ary nandrembe ady tamin'ny ambin'ireo taranagny, ijay mankàto ny didin'Andriamanitra ary mitagna ny fijoroana vavolombelogna momba an'i Jesôsy.18 Avy eo nitsangagna teo ambonin'ny fasiky ny ranomasigna ilay dragogna.
Chapter 13

1Ary nahita bibi-dia iaho niakatre avy tamin'ny ranomasina. Nanagna tandroke folo ijany ary loha fito. Teo amin'ny tandrony die nisy diadema folo, ary teo amin'ny lohany die nisy agnarana fijakan-dratsy aby. 2Ilay bibi-dia ijay hitako die hôtran'ny leoparda. Ny tongony die hôtran'ny tongotra bera, ary ny vavany die hôtrin'ny vavan'ny liogna. Ilay dragogna nagnome an'ajy ny heriny, ny seja fiandrianagny, ary ny fahefany lehibe hanapaka.3Ny lohan'ny bibi-dia die raike hôtran'ny efa maty, kanefa sitragna ilay bay fery seky nahafaty an'ajy. Ary gaga ny tany abiaby ka nagnaraka ilay bibi-dia. 4Ary die niankohoka teo amin'ilay dragogna areo, satria ijy no nagnome ny fahefany ho an'ny bibi-dia. Niankohoke teo amin'ilay bibi.-dia, koa, areo, ary nijaka hoe: '' Ija no hôtrin'ny bibi-dia?'' ary '' Ija no afake miady amin'ajy?''5Nomena vava ijay afake mijaka fireharehana sy fijakan-dratsy ilay bibi-dia. Nomena alalana ijy mba hampihatra fahefana mandritran' ny efatra ambi-efapolo volana. 6Ary nanokatre ny vavany hijaka ratsy an'Andriamanitra ilay bibi-dia: nijaka ratsy ny agnarany, ny toerany ijay honegnany ary ireo ijay midoboke ao an -dagnitre.7Navela hiady tamin'ireo mpino ary handrese andreo ilay bibi-dia. Ary koa, ny fahefana die nomena an' ajy magnerana ny foko, ny olo, ny fijakana, ary ny firenena abiaby. 8Hiankohoke eo amin'ajy ireo abiaby ijay monigna ambonin'ny tany, ireo ijay vôsoratre agnarana, nandritran'ny famorognana ijao tontolo ijao, ao amin'ny Bokin'ny Fiagnana,ijay an'ny Zanak'ondry, ijay efa novonoina.9Laha misy manan-tsofigna, ôka ijy hiteno.10 Laha misy nalaina babo, die handeha amin'ny fahababoana ijy. Laha misy novonoina tamin'ny sabatre, amin'ny sabatre no hamonoana an'ajy. Ity no antso ho an'ny faharetana ary finoana ho an'ireo ijay masina11Ary nahita bibi-dia hafa iaho niakatre avy tamin'ny tany. Ijany die nanagna tandroke roe hôtrin'ny janak'ondry, ary nijaka hôtrin'ny dragogna. 12Nampihariny abikoa ny fahefana abiaby an'ilay bibi-dia vôlohany eo anatrehany, ary ny tany sy ireo ijay monigna eo amin'ajy die asainy miankohoke eo amin'ilay bibi-dia vôlohany- ilay iray ijay sitragna tamin'ny fery seky nahafaty an'ajy.13Nagnano fahajedagnana rahabe lehibe ijy. Nampijotso afo avy any an-dagnitra ho amin'ny tany teo alohan'ny olo. 14Tamin'ny alalan'ny famantarana die nomena alalagna hagnano ijany, namitake an'ireo ijay monigna ambonin'ny tany ijany. Nijaka tamin-dreo ijany mba hagnambotre sary ho voninahitry ny bibi-dia ijay voaferin'ny sabatre nefa velogna15Navela asiana aigna ny sarin'ny bibi-dia mba ahafahan'ilay sary mijaka ary ijay abiaby tsy magneky miankohoke amin'ilay bibi-dia die novonoina. 16Nanery ny kiraidraike mandy koa ijany, na ny bitike na ny lehibe, na ny manankarena na ny mahantra, na ny tsy andevo na ny andevo, die mandray marike eo amin'ny tagnana ankavanana na eo amin'ny handrigna. 17Tsy hisy olo mahajo mividy na mivarotre mandra-pahajony ny mariky ny bibi-dia, ijany die ny isan'ny fanehoana ny agnarany.18Ijany die mitaky fahendrena. Laha misy olo manan-tsaigna, ôka ijy hagnisa ny isan'ny bibi-dia. Fa ijany die isan'ny olo. ijany isa ijany die 666
Chapter 14

1Nijery aho ary nahita ny Janak'ondry nitsangagna teo amin'ny tendrombohitry Ziona. Niaraka tamin'ireo 144.000 ijay nanagna ny agnarany sy ny agnaran'ny Rainy vôsoratra eo amin'ny handrign'ijy ireo.2 Naharegny feo avy agny andagnitra hôtran'ny fihorohoron'ny rano rahabe sy kotroka maharé aho. Ny feo regniko mandy koa die hôtran'ny mpitendry lokanga mitendry ny lokangany.3Nihira hira vôvao teo alohan'ny seja fiendriagnana sy teo alohan'ireo raha managnaigna efatra sy ireo loholona ijy ireo. Tsy nisy na ija na ija afaka nianatra ny hira afa tsy ireo 144.000 ijay nividina avy teto an-tany mandy. 4Ireo die olo ijay tsy nandoto ny tegnan'ijy ireo tam-biavy, fa nitagna ny tegnany madio tamin'ny nofo ijy ireo. Ijany die ijay nagnaraka ny janak'ondry na aja na aja nandihanany. Ijy ireo die efa nividina avy tamin'ny olombelogna hôtran'ny vôloham-bokatra hôn'Andriamanitra sy hôn'ny janak'ondry. 5Tsy nisy vandy hita teo amin'ny molotr'ijy ireo, tsy manan-tsigny ijy ireo.6Nahita anjely hafa nagnembogna ambony aho, ijay nanagna ny hafatra mandrakijain'ny vôvao mahafaly hilajaina amin'ireo ijay miaigna ambon'ny tany, amin'ny firenena, foko, fijakana, ary ny olo manontolo. 7Nangaika tamin'ny feo maharé ijy hoe: ''Matahora an'Andriamanitra ary magnomejà voninahitra Anajy. Fa avy ny leran'ny fitsarany. Mivavaha Aminajy, ny iray ijay nagnano ny lagnitra, ny tany, ny ranoasina, ary ny loharano.''8Nisy anjely hafa, ny anjely faharoa, nagnaraka nijaka hoe: ''Lavo, lavo Babylôna lehibe, ijay nandresy lahatra ny firenena manontolo ba hinogna ny divain'ny fito-drategna malotony.''9Nisy anjely hafa, anjely faha telo, nagnaraka anajy ireo, nijaka tamin'ny feo maharé hoe: ''Laha misy mivavaka amin'ny bibidia sy ny sariny, ary mandray ny marika eo amin'ny handrigny sy ny tagnany, 10die hinogna ny sasagny amin'ny divain'ny fahavigniran'Andriamanitra mandy koa ijy, divay tsy niharo ijay narotsaka tao agnaty kapôkan'ny fahavignirany. Ny olo je minogna anijany die hampijalena amin'ny afo sy solifara eo alohan'ireo anjely masin'Andriamanitra sy eo alohan'ny Janak'ondry.11Ny setroka avy amin'ny fijalen'iny ireo die hiakatra mandrakijay doria, ary tsy manam-pijanognana andro sy aligna ijy ireo, ireo mpanompon'ny bibidia sy ny sariny, ary ny olo manontolo ijay mandray ny mariky ny agnarany. 12Itoy die haike hôn'ny faharetana maharitr'ireo je masigna, ireo je mankatò ny didin'Andriamanitra ary mino an'i Jesosy.''13Naharegny feo avy agny andagnitra aho nijaka hoe: Soraty ijao: Tratrika ny maty, ijay maty ao amin'ny Tompo.'' ''Eka, hoy ny fagnahy,'' ba hahafahan'ijy ireo hiala vijaka amin'ny asan'ijy ireo, fa ny vitan'ijy ijy ireo die hagnaraka andreo.''14Nijaha aho, ary nisy rahogna fotsy. Nipetraka teo amin'ny rahogna ny raike hôtran'ny Janak'olo. Nanagna satro-boninahitra volamena teo amin'ny lohany sy fambilejana marangitra egny antagnany ijy.15 Die nisy anjely hafa nivôka ny tempoly ary nangaika tamin'ny feo maharé an'le nipetraka teo amin'ny rahogna nagnano hoe: ''Reso ny fambilejana ka manomboha mambely. Fa avy ny fotôgna hambilejana, satria masaka ny vokatry ny tany.'' 16Ary ny raike jay nipetraka teo amin'ny rahogna nampandroso ny fambilejany teto an-tany, ka nambilejina ny tany.17Nisy anjely hafa nivôka tao an-tempoly tagny andagnitra; nanagna fambilejana marangitra hiany koa ijy. 18Bola nisy anjely hafa mandy koa nivôka avy tao amin'ny alitara fagnorôna ditin-kajo magnitra, ijay nanagna fahefana amin'ny afo. Nangaika tami'ny feo maharé an'ireo je nanagna fambilejana marangitra ijy Joe: ''Reso ny fambilejana marangitra anareo ary avorovoroy ireo rantsagna vôloboka avy amin'ny vôloboky ny tany, fa ireo vôloboka die efa masaka ijao.''19Nampandroso ny fambilejany tamin'ny tany ny anjely ary namory ny vokatra ny vôloboky ny tany. Natsipiny tao agnatin'ny famiajam-bôloboka lehiben'ny fahavigniran'Andriamanitra ijany. 20Ny famiajam-bôloboka die nididiana tagny ambohon'ny tanàna, ary ny rà die nilatsaka avy ao ami'nijany ka avy ao amin'ijany ka tonga hatregny amin'ny haambon'ny lamboridin-tsôvaly, ijay 1.600 stadio.
Chapter 15

1Avy teo die nahita famantarana hafa tegny amin'ny lagnitra iaho, lehibe sy mahajendagna: Nisy anjely fito miaraka amin'ny loja, ijay loja farany indrindra, fa amin'dreo no hahatanteraka ny havigniran'Andriamanitra.2Nahita ijay niseho tamin'ny ranomasina fitaratra namperahina tamin'ny afo iaho. Nitsangagna teo akekin'ny ranomasina ireo ijay nandresy an'ilay bibidia sy ny sarine, sy ny isa maneho ny agnarane. Areo die nitajogna harpa nomen'Andriamanitra an'dreo.3Areo nihira ny hiran'i Mosesy, ilay mpanompon'Andriamanitra, ny hiran'ny Janak'ondry hoe: "Lehibe sy mahajendagna ny asanao, Tompo Andriamanitra, ilay Avo indrindra. Marina sy mahitsy ny lalagnao, ry Mpanjakan'ny firenena. 4Ija no tsy hahatahotra Anao, ry Tompo, sy hagnome voninahitra ny anaranao? Fa Anao rery no masina. Ny firenena rehetra ho avy sy hivavake eo agnatrehanao satria ny asanao marina die efa nambara."5Tafaran'io javatra io iaho die nijaha, ary nisokatra tegny amin'ny lagnitra ny fengonana ijay managna lain'ny fijoroana vavolombelogna.6 Nivôka avy tao amin'ilay toerana masina indrindra ireo anjely fito mitajogna ny loja fito. Areo die mekanjo madio, lamba rongony mamiratre sy misy fehin-kibo volamena magnodidigna ny tratran'dreo.7Raike tamin'io java-manan'aigna efatra magnome an'io anjely fito lovia volamena fito feno ny fahavigniran'Andriamanitre, ny velogna mandrakijay doria. 8Feno setroka avy amin'ny voninahitr'Andriamanitra sy avy amin'ny heriny ny fengonana.Tsy misy na ija na ija afaka miditra ao mandra-pahatanteraky ny loja fiton'ny anjely fito.
Chapter 16

1Naharegny feo mahare nagnatso laha tao an-tempoly iaho die nijaka tamin'ny anjely fito hoe: ''Mandihana die araraho amin'ny tant ireo lovia fito feno ny havigniran'Andriamanitre.''2Lasa ny anjely vôlohany die nandrarake ny tao an-doviany tamin'ny tany; ratra ratsy sy maharary no tonga tamin'olo ijay lanagna ny mariky ny bibi-dia, ijay nankalaza ny sariny.3Ny anjely faharoa nandrarake ny tao an-doviany tamin'ny ranomasin. Lasa rà ijany, hôtra ny ràn'olo maty, die maty ny raha-mana'aina aby tao an-dranomasina.4Ny anjely fahatelo nandrarake ny tao an-doviany tamin'ny ont sy loharano, die lasa rà Areo. 5Regniko ny anjelin'ny rano manao hoe: ''Marina Anao _ ny ankehitriny sy taloha, ny raike Masina_satria efa nitsara ny raha reo Anao.(Fagnamarihana: Ny antontan-taratasy saragny taloha die mamaky hoe: ''Marina Anao, Tompo_ny ankehitriny sy taloha ary ho avy, satria efa nitsara ny raha reo Anao.'') 6Satria ny ràn'ny mpino sy mpaminany no nalatsakan'dreo, die nomenao rà ho nomina an-dreo; ijany no mendrika an-dreo.'' 7Regniko ny alitara namaly hoe: ''Ieka, Tompo Andriamanitra lehibe, ny fitsaranao die marina sy mahitsy.''8Ny anjely fahefatre nandrarake ny tao an-doviany tamin'ny masoandro, die nahazo alalana handoro ny olo amin'ny afo ijany. 9Main'ny hafanana be an-dreo, die nijaka ratsy ny anara'Andriamaintra, ijay manana ny fahefana amin'reo loza ireo. Tsy nibebake an-dreo na'nagnome voninahitre Anajy.10Avy eo ny anjely fahadimy nandrarake ny tao an-doviany tamin'ny seza fiandrianan'ny bibi-dia, die nandrakotre ny fanjakany ny hezigna. Nitsako ny lelany an-dreo nohon'ny fahoriana. 11Nijaka ratsy ny Andriamanitry ny lagnitre an-dreo nohon'ny fahoriana sy ratran'dreo, die mbola nandà ny hibebake amin'ijay vitan'dreo mandy an-dreo12Ny anjely faha-enina nandrarake ny tao an-doviany tamin'ny ony angeza, ny Eofrata.Noritina ijany mba hagnomagnana ny lalana ho an'ny mpanjaka ijay ho tonga avy any antsinana. 13Nahita fanahy maloto telo iaho ijay niendrika babaka mivôka avy agny am-bavan'ny dragona , avy agny am-bavan'ny biby-dia, die avy amin'ny vavan'ny mpaminany sandoka. 14Fa fanahin'ny devoly manao famantarana mahajendagna an'dreo. Nankany amin'ireo mpanjakan'ijao tontolo ijao an-dreo mba hanangona an-dreo ho an'ny adin'ny andro lehiben'Andriamanitra Avo indrindra15(''Indro! Avy hôtra ny mpangalatre Iaho! Sambatre ijay miambigna, miarony fitafeny mba tsy hivôke mitanjaka ijy die hitan'dreo hegnatrany.'') 16Nindaon-dreo niarake tagny amin'ny toerana antsoina hoe Hara-magedona amin'ny Hebreo an-dreo.17Avy eo ny anjely fahafito nandraraka ny tao an-doviany tamin'ny rivotre. Die nisy feo mahare novôke laha tao an-tempoly sy laha tamin'ny seza fiandrianana Magnano hoe: '''Vita ijany!'' 18Nisy tselatre, kotroke, kotro-baratre, die horohoron-tany mahare _ horohoron-tany angeza noho ijay efa nitranga hatramin'ijay nisian'olo teto an-tany, ka die mafy ijany horohoron-tany ijany. 19Vaky ho fizarana telo ny tanàna angeza, die rava ny tanànan'ireo firenana. Avy eo Andriamanitre nagnatso mba hahatsiaro an'i Babylona angeza, die nomene ijany tanàna ijany ny kapôke feno divay vita laha tamin'ny firehetan'ny favignirany.20Nanjavogna ny nosy aby die tsy hita koa ny tendrombohitre. 21Nisy havandra angeza, milanja eo amin'ny talenta raike eo, nidigna laha tagny an-dagnitre ho amin'ny olo. Nagnojogna an'Andriamanitre an-dreo nohon'ny loza laha tamin'ny havandra satria tena mafy lôtre ijany loza ijany.
Chapter 17

1Ny raika tamin'ireo anjely fito ijay nitagna ireo lovia volamena fitonagnantogna sy nijaka taminahy hoe: ''Malaky, hatoroko anao ny sajin'ny mpijangajanga lehibe ijay mipetraka ambony rano rahabe. 2Niaraka taminaje no nampijangajanga an'ireo mpanjakan'ny tany. Ny divain'ny fijangajangany no nahamamo ireo mponignan'ny tany.''3Aviteo ny anjely nitondra anahy tamin'ny fagnahy tagny amin' ny tany maigna, ary nahita viavy nitoboka teo ambony bibidia mena ijay feno agnarana jaka ratsy aho. Ny bibidia die managna loha fito sy tandroka folo. 4Ary ny viavy teo die nekanjo voloparasy sy mena ary nivakagna volamena, vato sarobidy, ary vatosoa. Ijy die nitagna tamin'ny tagnany kapôka volamena feno ireo raha mampadikidiky sy ireo tsy fahadiovan'ny fijangajangany. 5Teo amin'ny handrigny no nisy agnarana managna dikany miafigna vôsoratra hoe: ''Babilona lehibe, die ny iendrin'ny mpijangajanga sy ny raha mampadikidikin'ny tany.''6Nahita aho fa le viavy die mamon'ny ràn'ny mpino sy ny ràn'ireo martiry hôn'i Jesosy. Laha efa nahita anajy aho die tena nalahelo. 7Fa ny anjely nijaka taminahy hoe: Magnino no malahelo anao? Hajavaiko aminao ny dikan'ny viavy sy ny bibidia ijay mitondra anajy, ny bibidy jay managna loha fito sy tandroka folo.8Ny bibidy je hitanao die misy fa tsy misy ankehitriny, fa andala-pekarana avy agny amin'ny farany amban'ny lavaka tsy hita fitaperany. Aviteo die ho agny amin'ny fahasimbana ijany. Ireo je miaigna ambon'ny tany, ireo je tsy vôsoratra ao amin'ny boky ny fiegnana hatramin'ny ranomasina an'ijao tontolo ijao ny agnarany, ho gaga ijy ireo raha efa hahita fa ny bibidia die misy, fa tsy misy intsony ankehitriny, fa andalam-pihavena.9Mangaika saigna je manampahendrena ijany. Ireo loha fito die vohitra fito ijay hipitrahan'ny viavy. 10Ijy ireo hiany koa die mpanjaka fito. Mpanjaka dimy no lavo, raika no misy, ary ny hafa die bola tsy avy; laha efa avy ijy, die fepotôgna kely mandy no hitoerana.11Ny bibidy je misy, fa tsy misy ankehitriny, mpajanka faha valo ijy, ary ho agny amin'ny fahasimbana.12Ireo tandroka folo jay hitanao die mpanjaka folo ijay bola tsy nandray fanjakana, fa hahajo fahefana tahakan'ny mpanjaka miaraka amin'le bibidia mandritry ny adiny raike ijy ireo. 13Firesan-saigna ijany, ary ijy ireo die hagnome hery sy ny fahefan'ijy ireo an'le bibidy. 14Hanangagna ady hanohitra ny janak'ondry ijy ireo. Fa ny janak'ondry no mandresy anajy ireo satria Ijy no Tompon'ny ny tompo, ary mpanjakan'ny mpanjaka ary miaraka amin'ireo vôantso, ireo vôfidy, ary ireo manam-pinôna.''15Hoy ny anjely taminahy: ''Ireo rano je hitanao, teo amin'le nipetrahan'ile mpijangajanga, no olo, vondron'olo, firenena ary fijakana16Ireo tandroka folo jay hitanao, ijy ireo sy le bibidia die hankahala ireo mpijangajanga. Hataondreo ho etsaka sy milongalonga ijy, handrota ny nofony ijy ireo, ary hagnoro anajy tanterake agnaty afo. 17Fa Andriamanitra die efa nagnabela ijany tao agnatin'ijy ireo ba nagnatanteraka ny fikasany amin'ny fagneken'ijy ireo hagnome ny herin'ijy ireo hagnome ny herin'ijy ireo hito drana ilay bibidia mandrapahatanteraky ny jakan'Andriamanitra.18Ary raviavy, le hitanao no tanàna lehibe ijay manjaka amin'ny mpanjakan'ny tany.''
Chapter 18

1Tafaran'ny raha io die nahita anjely hafa jay nijotso laha tagny an-dagnitre iaho. Nanagna fahefana lehibe ijy, die namirapiratre nohon'ny voninahiny ny tany. 2Nikoke tamin'ny feo mahare ijy,nijaka hoe: ''Lavo, lovo ny Babylona angezabe! Lasa tonga toeram-ponenan'ny demony,fialofana ho an'ny fanahy'maloto, die felofana ho an'ny reo vorogna maloto sy marikoriko aby. 3Fa ny firenena aby die ninogna ny dovain'ny fitondran-tegna malotony.Ireo mpivarotra ny tany die tonga mpanan-karena tamin'alalan'ny fomba fiainany amin'ny nofo.''4Avy teo die naharegny feo hafa laha tagny an-dagnitre iaho, mijaka hoe: ''Mialà aminy, ry oloko, mba tsy hijarany ny fahotany ao aminareo, die mba tsy hahajahoanareo ny lojany. 5Efa nivory hôtra ny hahambon'ny lagnitre ny fahotany, die Andriamanitre mahatsiarony asa ratsiny. 6Mamalia anajy hôtranny namalian'ny hafa, die valio avy roa heny ijay efa vitany;tao amin'ny kapôke ijay efa nofenoiny, die fenoy avy roa heny ho anajy.7Hôtra anajy nagnome voninahitre ny tegnany sy niaigna tamin'ny tsy fiafiana, omeo anajy ny fampijaliana sy ny alahelo antognina anajy. Fa ijy nijaka tao am-pony nagnano hoe: 'Nipetrake hôtra ny mpanjaka vavy iaho. Tsy maty vady iaho, die tsy hisaogna mandrakijay.' 8Noho ijany die ho tonga amin'ny andro raike ny aretigna mandripakany: ny fahafatesana, ny fisaonana, die ny mosary. Horoan'ny afo ijy, fa ny Tompo Andriamanitra die mahery, die ijy no mpitsara anajy.''9Ny mpanjakan'ny tany jay nijangajanga sy nandeha tsy am-pieritreretana niarake taminajy die hitagny die henkohoke eo agnatrehany rehefa hahita ny setroky ny fahamaizany ijy reo. 10Hijoro lavitre areo, hangoaigna ny fijaliany, hijaka hoe: ''Loza, loza ho an'ny tanàna be ,Babylona, ny tanàna mahery, fa amin'ny lera raike die ho tonga ny sazinareo.''11Ny mpivarotre ny tany die mitagny sy misaona ho anajy, satria tsy nisy olo niady varotre ho anajy koa-12 varotre volamena, volafotsy, vato sarobidy, firavaka, lamban-drongony tena tsara, volomparasy, landy, mena, ny karazana hazo ala, ny fanake ivoara, ny fanake manontolo vita laha tamin'ny hazo sarobidy, varahigna, vy, marbra, 13kanelina, raha-magnitre, ditin-kazo, miora, hagnitre, divay, menake, koba tsara toto, vary, biby fiompy die ondry, sôvaly sy kalesa, ireo andevo sy fanahin'olo.14Ny vokatre ijay tinao tamin'ny herinao manontolo die hiala aminao. ny entanao lafo vidy sy ny namirapiratre die nanjavogna, die tsy ho hita koa mandrakizay.15Ny mpivarotre ny entana jay tonga mpanan-karena noho ijy die hiala aminy lavitre nohon'ny fahangoaignana ny fijaliany, hitomany sy hisaona mafy. 16Hijaka areo hoe: ''Loza, loza ho an'ny tanàna angezabe ijay nikanjo tamin'ny lamban-drongony tena tsara, volomparasy, sy mena, ary noravahana tamin'ny volamena, firavaka sarobidy, ary vatosoa! 17Agnatin'ny lera raile die ho fôgna ijany harena manontolo ijany. ''Ny kapitenin-tsambo manontolo, ny mandeha egny ambonin'ny ranomasina manontolo, tantsambo, sy ijay abiaby monina an-dranomasina, die hijoro alavitre.18Nikoke areo raha vô nahita an'ny setrokin'ny fahamaizany. Nijaka areo hoe: ''Tanàna ino no hôtra ny tanàna angezabe?'' 19Nanipy vovoke teny an'dohany ijy, die nikoke mahare, nitagny, sy nisaona, nanao hoe: ''Loza, loza ho an'ny tanàna angezabe ijay nisy an'reo abiaby nanagna ny sambo an-dranomasina no tonga mpanan-karena laha tamin'ny harenany. Fa tao anaty lera raike die simba ijany.'' 20''Mifalia aminy, ry lagnitre, anareo mpino, apostoly, die mpaminany, fa Andriamanitra nitondra ny fitsaranareo taminajy!''21Anjely mahery raike nangala vato hôtra ny vato angezabe die nanipy ijany tagny an-dranomasina, die nijaka hoe: ''amin'ijany fomba ijany, Babylona, ny tanàna angezaba, harodagna arahina herisetra, die tsy ho hita koa. 22Ny feo nataon'reo lokanga, mpitendry mozika, mpitsoka sodina, sy trompetra die tsy ho regny ao aminao koa. Ny mpagnano asa-tanana iasan-karazany die tsy hita ao aminao koa. Tsy hisy feon'ny vato fikosoham-bary ho regny koa eo aminao.23Ny fahazavan'ny jiro, die tsy hamirapiratra ao aminao koa. Ny feon'ny mpampiakatre sy ny ampekarina die tsy ho regny ao aminao koa, fa ny mpivarotrareo no andrian'ny tany, die ny firenena die vôfitake tamin'ny fagnosavianareo. 24Tao aminajy no nahitana ny ràn'ny mpaminany, sy ny mpino, die ny ràn'ny abiaby ijay vôvono teto an-tany.''

Chapter 19

1Tafaran'ny raha reo die naharegny ijay hôtra ny feo mafin'ny vahôke rahabe isa tagny an-danitre iaho nandao hoe: ''Aleloia. Ny famonjena, ny voninahitra, die ny hery die an'Andriamanitre. 2Ireo fitsarane die marina sy mahitsy, fa nitsara ny mpivaro-tegna lehibe ijay nagnaratsy ny tany tamin'ny fijangajangane ijy. Namaly faty ny ràn'ireo mpanompony, ijay nalatsagne ijy.''3Nijaka fagnindroane ijy ireo hoe: ''Aleloia! Ny setroke die miakatre avy aminajy mandrakizay doria.'' 4Ireo loholona efatre amby roapolo sy raha-manan'aigna efatre die nenkohoke die nanompo an'Andriamanitre ijay nitoboke teo amin'ny seza fiandrianana. Hoy ijy ireo: ''Amena. Aleloia!''5Die nisy feo nivôke avy tao amin'ny seza fiandrianana, nagnano hoe: ''Derao Andriamanitra tena, anareo aby mpanompony, anareo ijay mangoaigna Anajy, na ny tsy manan-danja na ny mahery.''Die naharegny ijay hôtra ny feon'olo rahabe, hôtra ny firohondrohon'ny rano rahabe, s'y hôtra ny filavoan'ny kotroke mahare iaho, nagnano hoe: ''Aleloia! Fa manjaka ny Tompo, Andriamanitre ijay manapake amin'ny abiaby.7Ôka antsena hifaly sy ho kevoke die hognome voninahitre Anajy satria tonga ny fampankaram-badin'ny Zanak'ondry, die ny ampakarina efa niomagna.8 Nomena alalagna hekanjo lamba rongony mamiratre sy madio ijy''(fa ny lamba rongony die ireo asa marin'ireo olo-masina).9Ny anjely nijaka taminahy hoe: ''Soraty ijao: Tretrike ireo ijay nasaina tamin'ny fety fampakaram-badin'ny Zanak'ondry. Nijaka taminahy koa ijy hoe: ''Ireo die jaka marin'Andriamanitre.''10 Nenkohoke teo amin'ny tongotrane mba hanompo anajy iaho, fa hoy ijy taminahy: ''Aja manao an'ijao! Iaho die mpiara manompo aminao sy ireo rahalahinao ijay mitagna ny fijoroana vavolombelogna makasika an'i Jesôsy. Manompoa an'Andriamanitre, fa ny fijoroana vavolombelogna momba an'i Jesôsy die ny fanahin'ny faminaniana.''11Die nahita ny lagnitre nisokatre iaho die nijery ka nisy sôvaly fotsy. Ny mpideba ijay die nangihina hoe mahatoky sy marina. Amin'ny fahamarinana no hitsarany sy hiadiane. 12Ireo masone die hôtra ny lelan'afo afo, eo amin'ny lohane misy satro-boninahitre rahabe. Managna agnarana vôsoratre eo aminajy ijay tsy misy mahafantatre afa-tsy ijy mandy ijy. 13Menkanjo ankanjo lava ijay najoboke tao amin'ny rà ijy, die ny agnarany die nangihina hoe ny Jakan'Andriamanitre.14Ireo tafikan'ny lanitra die nagnarake anajy tamin'ny sôvaly fotsy, menkanjo lamba rongony, fotsy sy madio. 15Avy ao amin'ny vavane no mivôke ny sabatre marangitre ijay amin'ijany no handrahany ireo firenena, die hanapake an'dreo amin'ny fioke vy ijy. Magnitsake ao amin'ny famiazan'ny fahavigniran'ny havigniran'Andriamanitre Tsitoha ijy. 16Managna agnarana vôsoratre eo amin'ny akanjo lavany eo amin'ny fene ijy hoe: ''Mpanjakan'ny mpanjaka sy Tompon'ny tompo.''17Nahita anjely nitsangagna teo amin'ny masoandro iaho. Nagnatso tamin'ny feo mahare ireo vorogna magnidigna ambony aby ijy hoe: ''Avia, mivoria ho an'ny fety ben'Andrimanitre. 18Malaky hihinagna ny nofon'ireo mpitari-tafika, ny nofon'ireo lelahy mahery, ny nofon'ireo sôvaly sy ireo mpideba ijany, die ny nofon'ny lelahy manontolo, ny afaka sy ny andevo, ny tsy manan-danja sy ny mahery.''19Nahita ny bibi-dia sy ireo mpanjakan'ny tany niarake tamin'ny tafikan'dreo iaho. Nivory an'dreo mba hiady amin'ny raike ijay nideba sy amin'ny tafiny. 20Vôsambotre ny bibi-dia die niarake taminajy ny mpaminany sandoke ijay nanao ny famantarana teo anatrehany. Tamin'ny famantarana ireo no namitahane ireo ijay nandray ny marikan'ny bibi-dia sy ireo ijay nanompo ny sarine. Ijy roa ireo die natily velogna tao agnaty farihin'afo mirehitre solifara.21Ny ambin'ijy ireo die novonoina tamin'ny sabatre ijay nivôke ny vavan'ny raike ijay nideba ny sôvaly. Ny vorogna abiaby nihinagna ny nofo mangatsekan'ijy ireo.
Chapter 20

1Ary nahita anjely nijotso avy tagny an-dagnitre iaho. Nanagna ny fagnalahidin'ny lavake tsy hita noanoa ijy, ary nanagna rojo vy lehibe tegny an-tagnany. 2Nanambotre an'ilay dragogna ijy, ny menaragna ela, ilay devoly, na satana, ary nofatorany arivo taogna. 3Natsipiny tagny amin'ny lavake tsy hita noanoa ijy, nohidiny ijany ary nasiana tombo-kase teo amin'ajy. Natao ijany mba tsy hagnambakany ny firenena rahabe koa manadra-pahatapitry ny arivo taogna. Afaran'ijany, die tsy mentsy havosotre fotôgna kelikely ijy.4Ary nahita seja fiandriagnana rahabe iaho. Nidoboke teo amboniny ireo ijay nomena fahefana mitsara. Nahita ny fagnahin'ireo ijay notapahin-doha iaho noho ny fijoroana vavolombelogna mahakasika an'i Jesôsy ary nohon'ny tenin'Andriamanitra. Tsy niankohoke tamin'ny bibi-dia na tamin'ny sariny areo, ary areo die nandà ny handray ny mariky ny bibi-dia teo amin'ny handrigny na teo amin'ny tanany. Tonga velogna indraike areo, ary nanjaka niarake tamin'i Kristy nandritry ny nandritran'ny arivo taogna.5Ny ambin'ireo maty die tsy velogna mandra-pahatapitry ny arivo taona. Ijany no fitsanganagna vôlohany. 6Sambatre ary masina ijay olo managna anjara amin'ny fitsanganagna vôlohany! Eo ankatrehan'ijany die tsy manan-kery ny fahafatesana faharoe. Areo die ho mpisorogna an'Andriamanitra sy Kristy ary hanjaka miarake amin'Ajy mandritran'ny arivo taogna.7Laha tapitre ny arivo taogna, die hovahana ao amin'ny tragnomejignany Satana. 8Hivôke ijy mba hamitake ny firenena rahabe egny amin'ny vajan-tany efatre-Goga sy Magoga-mba hitondra an-dreo miarake ho agny amin'ny ady . Areo die ho rahabe hôtrin'ny fasiky ny ranomasina.9Niakatre teo ambonin'ny tany lemaka areo ary nagnodidigna ny tobin'ireo mpino, ilay tanàna malala. Nefa nisy afo nijotso avy tagny an-dagnitre ary nandripaka an-dreo. 10Ny devoly, ijay namitake an-dreo, die natsipy tao amin'ny farihy afo solifara, toerana ijay hanipajana ny bibi-dia sy ny mpaminany sandoka. Ary ho ampijaliana andro aman'aligna mandrakijay ary mandrakijay areo11Ary nahita seja fiandriagnana fotsy lehibe iaho sy ilay nipetrake teo amboniny. Ny tany sy ny lagnitre die nilefa teo ankatrehany, kanefa tsy nisy toerana andehanan-dreo. 12Nahita ny maty iaho-ny lehibe ary ny kely-nijoro-teo alohan'ny seja fiandriagnana, ary novelarina ireo boky. Ary nisy boky raike novelarina-Ny Bokin'ny Fiaignana. Ny maty die notsaraina araka ijay vôsoratre tao amin'ireo boky, araka ireo asany.13Ny ranomasina namôke ny maty ijay tao agnatiny. Ny fahafatesana sy ireo fiainan-tsy hita die namôke ny maty ijay tao amin-dreo, ary ny maty die notsaraina araka ny raha nataony. 14Ny fahafatesana sy ny fiainan-tsy hita die natsipy tao amin'ny farihy afo. Ijany no fahafatesana faharoe- die ny farihy afo. 15Laha nisy agnarana tsy hita vôsoratre ao amin'ny Bokin'ny Fiaignana, die natsipy tao amin'ny farihy afo.

Chapter 21

1Avy eo iaho nahita lagnitra vaovao sy tany vaovao, fa fôgna ny lagnitra vôlohany sy ny tany vôlohany, ary tsy nisy koa ny ranomasina. 2Hitako ilay tanàna masina, Jerosalema vaovao, ijay nijotso avy agny an-dagnitra avy amin'Andriamanitra, vôomana hôtrin'ny ny akarina ampihengoana ho an'ny vadiny.3Naharegne feo mahare avy agny amin'ny seja fiandriagnana iaho magnano hoe: '' Indro! Eo amin'ny olo ny toeran' ny tabernakelin'Andriamanitra, ary hiaigna miaraka amin-dreo ijy. Ho olony areo, ary Andriamanitra tegnany hiaraka amin-dreo ary Ijy ho Andriamanitran-dreo. 4Hamafa ny ranomaso abiaby amin'ny mason-dreo Ijy, ary tsy hisy fahafatesana koa, na alahelo, na tagny, na fanaintaignana. Efa lasa ireo raha teo aloha5Ilay raike ijay nidoboke teo amin'ny seja fiandriagnana nijaka hoe:'' Indro! Nataoko vaovao ny raha abiaby.'' Hoy Ijy: ''Soraty ijao satria ireto teny ireto die mahatoky sy marina. 6Hoy Ijy tamin'ahy hoe:'' Efa vita ireo raha ireo! Iaho no Alfa sy Omega, ilay fiandohana sy fiafarana. ijay mangetaheta die homeko ho sotroina maimaim-poana avy amin'ny loharanon'ny fiaignana.7Ijay mandresy die handova ireo raha ireo, ary iaho no ho Andriamaniny, ary ijy ho janako. 8Fa ireo osa, tsy manam-pinoana, maharikoriko, mpamono olom, mpijangajanga, mpanao ody, mpanompo sampy, mpivande, die any amin'ny farihy mirehitr'afo solifara no toeran-dreo. Ijany no fahafatesana faharoe.''9Nagnatogna an'ahy ny raike tamin'ireo anjely fito, ilay raike ijay nanagna ireo lovia fito feno loja fito farany, ary hoy ijy hoe:" Avy ety. Ho atoroko anao ilay akarina, ilay vadin'ny Janak'ondry.'' 10Avy eo die nandôsiny tamin'ny Fanahy tagny amin'ny tendrommbohitra agnambo iaho ary nabokany an'ahy ilay Jerosalema tanàna masina mijotso avy any an-danitra avy amin'Andriamanitra.11Nanagna ny voninahitr'Andriamanitra i Jerosalema, ary ny famirapiratany die hôtrin'ny vato majava sarobidy, hôtrin'ny vato kristalina jaspy madio. 12Nanana rindrigna agnambo lehibe niaraka tamin'ny vavahady roa ambin'ny folo ijany, niaraka tamin'ny anjely roa ambin'ny folo teo amin'ireo vavahady. Teo amin'ireo vavahady no vôsoratra ny agnaran'ireo foko roa ambin'ny folon'ny janak'Isiraely. 13Nisy vavahady telo antsinanana, vavahady telo atsimo, ary vavahady telo andrefana.14Nanagna fototra roa ambin'ny folo ny rindrin'ilay tanàna, ary teo amin'ireo no nisy ireo agnarana roa ambin'ny folon'ny apostolin'ny Janak'ondry. 15Ilay raike ijay niresaka tamin'ahy die nanàgna fandrefesana volotara vita tamin'ny volamena mba handrefesana ny tanàna, ireo vavahadiny, ary ny rindrigny.16Miendrike efa-joro ilay tanàna; mitovy ny lavany sy ny sakany. Nandrefy ny tanàna tamin'ilay fandrefesana volotara ijy, roa arivo stadio ny halavany (mitovy ny lavany, sakany, ary hahavony). 17Nandrefe ny rindrign'ijany koa ijy, 114 hakiho raha refin'ny olo (ijay refin'ny anjely mandy koa).18Vita tamin'ny jaspy ilay rindrigna ary tamin'ny volamena tsy misy fangarony, hôtrin'ny ny fitaratra madio. 19Ny fototr'ilay rindrigna die vôravake tamin'ireo karajagna vato sarobidy abiaby. Ny vôlohany die jaspy, ny faharoe safira, ny fahatelo kalakedona, ny fahefatre emeralda, 20ny fahadimy sardoniksa, ny fahenina karneola, ny fahafito krysolita, ny fahavalo beryla, ny fahasivy topaza ny fahafolo krysopraso, ny faha iraika ambin'ny folo jacinta, ny faharoambin'ny folo ametysta.21Ny vavahady roa ambin'ny folo die vato majava roa ambin'ny folo; ny kiraidraike amin'ireo vavahady die vita tamin'ny vato majava raike. Ireo lalambe teo an-tanàna die volamena tsy misy fangarony, hôtrin'ny fitaratre mangarahara. 22Tsy nahita tempoly tao amin'ny tanàna iaho, satria Tompo Andriamanitra Tsitoha sy ny Janak'ondry no tempoliny.23Ny tanàna die tsy nila masoandro na volagna mba hampamirapiratre amin'ijany satria ny voninahitr'Andriamanitra die mamirapiratre tamin'ijany, ary ny Janak'ondry no jiron'ijany. 24Handeha amin'ny fahajavan'ijany tanàna ijany ireo firenena. Ireo mpanjakan'ny tany die hitondra ny fahatsaran-dreo ho ao amin'ijany. (Fagnamarihana: Ny antontan-taratasy taloha saragne die mivaky hoe:'' Ireo firenena ijay vôvonjy die handeha amin'ny fahajavan'ijany tanàna ijany. '') 25Tsy himpegna ireo vavahadin'ijany mandritry ny andro, ary tsy hisy aligna agny.26Hitondra ny fahatsarana sy ny hajan'ireo firenena ao amin'ijany areo, ary tsy hisy maloto hiditre ao amin'ijany mihitsy. 27Tsy hisy na ija na ija hanao raha mahamegnatre na mamitake hiditre ao, fa ireo ijay vôsoratre agnarana ao amin'ny Bokin'ny Janak'ondrin'ny fiaignana mandy.

Chapter 22

1Die nabôkan'ny anjely anahy ny onin'ny ranon'ny fiainana, madio hôtra ny vatosoa. Ijany die mikoriana laha tagny amin'ny seza fiandranan'Andriamanitra sy ny Zanak'ondry2 mamakivaky eo afovôn'ny lalan'ny tanàna. Die ny andaniny roa amin'ny ony die samy misy ny hazon'ny fiainana, mamoa karazany voa roa ambin'ny folo, die ijany die mamoa ny vôny isam-bolagna. Ny ravin'ijany hazo ijany die natao hagnafahana ny firenana manontolo.3Ka tsy hisy koa ny vôhozogna. Ny seza fiandrianan'Andriamanitra sy ny Zanak'ondry die ho ao amin'ny tanàna, die ny mpanompony die hanompo Anajy. 4Hahita ny Tarehiny an'dreo, die ny Agnarany die ho eo amin'ny handrignan'dreo.5 Ka tsy hisy aligna koa; an'dreo die tsy mila fahazavan'ny jiro na masoandro koa satria ny Tompo Andriamanitre no hazava eo amin'dreo. Die hanjaka mandrakizay doria an'dreo.6Hoy ny anjely taminahy: ''Ny jaka ireo die ajo atokisana sy marina. Ny tompo, ny Andriamanitr'ireo fanahin'ny mpaminany, die nandefa ny anjeliny mba hampiseho ijay raha tsy maintsy hitranga tsy ho ela amin'ny mpanompony.''7 Indro! Efa marivo ny feviako! Tretrike ijay mankàto ny jakan'ny faminaniana amin'itoy boky toy.''8Iaho, Jaona, ny raike ijay naharegny sy nahita ny raha reo. Rehefa naharegny s'y nahita ijany iaho, die nenkohoke teo amin'ny tongotrin'ny anjely ny tenako mba hidera ajy, ny anjely ijay nagnabôke anahy ny raha reo.9 Hoy ijy taminahy: ''Aza manao ijany! Fa mpanompo akamanao miarake aminao iaho, miarake amin'ny mpaminany rahalahinao, die miarake amin'ny ijay mankàto ny jakan'itoy boky toy. Miderà an'Andriamanitre!''10Hoy ijy taminahy: ''Aja asena tombo-kase ny jakan'ny faminaniana amin'toy boky toy, fa antomotre ny fotoagna.11 Ijay manao ny tsy mety, apetraho ijy hanohy ny tsy fahamarinana. Ijay maloto fiainana, apetraho ijy hanohy ny fiainany maloto. Ijay marina, apetraho ijy hanohy ny fanaovana ny marina. Ijay masina, apetraho ijy hanohy ny fahamasinan.''12''Indro! Efa marivo ny feviko. Ny valisoako die miarake aminahy, mba hamaliako ny kiraidraike arake ny raha-vitany.13 Iaho no Alfa sy Omega , ny vôlohany sy ny farany, ny fanombohana sy ny fiafarana.14Tretrike ny ijay manasa ny ankanjon'dreo mba hahazo alalagna mihinagna laha tamin'ny hazon'ny fiainana sy hiditre ao amin'ny tanàna laha teo amin'ny vavahady. (Fagnamarihana: Raha tokony: ''Tretrike ny ijay manasa ny ankanjon'ndreo.'' Ny antontan-taratasy hafa taloha die mivaky hoe: ''Tretrike ny ijay manao ny didiny.'') 15Fa agny ivelany ny amboa, ny mpanao ody, ny mpijangajanga, ny mpamono olo, ny mpanompo sampy, die ijay manontolo tia mivandy sy ny mivandy.16Iaho, Jesôsy, die nandefa ny anjeliko mba hagnambara aminareo ny raha ho an'ny fiangonana. Iaho no fotorany sy taranak'i Davida, ny kintagna mamirapiratre maraigna.''17Ny Fanahy sy ny Ampakarina manao hoe: ''Malaky!'' Ôka ijay maheregny hijaka hoe: ''Malaky!'' Na ija na ija mangetaheta, oôka ijy hagnatogna , die na ija na ija magniry, ijany, ôka ijy hahazo maimaim- pôna ny ranon'ny fiainana.18Iaho die magnambara amin'ijay aby maharegny ny jakan'ny faminanaiana amin'itoy boky toy: ''Raha misy manampy ireo, Andriamanitra hagnampy loza ho ajy ijay vôsoratre ao amin'toy boky toy. 19Raha misy mangala ny teny faminaina amin'toy boky itoy, Andriamanitra die hangala ny anjarany amin'ny hajon'ny fiainana sy ny tanàna masina ijay vôsoratre ao anatin'toy boky itoy.'' (Fagnamarihana: Ny antontan-taratasy taloha die mivaky hoe: ''Andriamanitra hangala ny anjarany ao amin'ny Bokin'ny Fiainana die ao amin'ny tanàna masina ijay vôsoratre ao amin'toy boky toy.'')20Hoy ny raike ijay magnabara ny raha ireo: ''Eka! Efa marivo ny feveko.'' Amena! Mevia, ry Tompo Jesôsy! 21Ho amin'olo aby anie ny fahasoavan'ny Tompo Jesôsy. Amena.