To view a copy of the CC BY-SA 4.0 license visit
http://creativecommons.org/licenses/by-sa/4.0/
Matthew
Chapter 1
1Ny Bokin'ny rajan'i Jesôsy Kristy janak'i Davida janak'i Abrahama. 2Abrahama no iaban'Isaka, ary Isaka no iaban'i Joda sy ireo rahalahiny. 3Joda no iaban'i Fareza sy Zara avy tamin'ny Tamara, Fareza no iaban'i Herzona, ary Herzona no iaban'i Rama.4Rama no iaban'i Aminadaba, ary Aminadaba no iaban'i Nasona, ary Nasona no iaban'i Salmona. Salmona no iaban'i Boaza tamin'ny 5Rahaba, Boaza no iaban'i Obeda tamin'ny Rota, Obeda no iaban'i Jese. 6Ary Jese no iaban'i Davida mpanjaka, Davida no iaban'i Solomona tamin'ny alalan'ny vadin'ny Oria.7Solomona no iaban'i Rehoboama, Rehoboama no iaban'i Abia, ary abia no iaban'i Asa. 8Asa no iaban'i Jaosafata, ary Jaosafata no iaban'i Jorama, ary Jorama no iaban'i Ozia.9Ozia no iaban'i Jotama, Jotama no iaban'i Ahaza, Ahaza no iaban'i Hezekia. 10Hezekia no iaban'i Manase, Manase no iaban'i Amona, ary Amona no iaban'i Josia. 11Josia no rajagn'i Jekonia sy ireo rahalahiny tamin'ny fotôgnan'ny fandroahana ho agny Babylôna.12Tafaran'ny fandroahana ho agny Babylôna, dia Jekonia no iaban'i Sealtiela, ary Sealtiela no rajagn'i Zerobabela. 13Zerobabela no iaban'i Abihoda, Abihoda no iaban'i Eliakima, ary Eliakima no iaban'i Azora. 14Azora no iaban'i Zadoka, Zadoka, no iaban'i Akima, ary Akima iaban'i Elihoda.15Elihoda no iaban'i Eliazara, Eliazara no iaban'i Matana, ary Matana no iaban'i Jakoba. 16Jakoba no iaban'i Josefa ijay vadin'i Maria, ilay namaitre an'i Jesôsy, ijay nantsoina hoe Kristy. 17Ny taranaka abiaby manomboke amin'i Abrahama ka hatragny amin'i Davida die taranake efatra amin'ny folo, manomboka amin'i Davida ka hatragny amin'ny fandroahana ho agny Babylôna dia taranake efatra amin'ny folo, ary manomboke amin'ny fandroahana ho agny Babylôna ka hatragny amin'i Kristy die taranake efatra amin'ny folo.18Hôtran'ijao no niboahan'ny fahaterahan'i Kristy. Ny endrine, Maria, die efa natokagna hanambady an'i Josefa, sengy talohan'ny niarahan-dreo die hita fa nitoeran'anake ijy avy tamin'ny Fanahy Masina. 19Josefa, vadiny, die lelahy marina, no sady tsy te hangala barake an'ajy ampahibemaso. Ka nanapa-kevitre ijy ny hamaragna mangingigna ny fifangnekeny tamin'ajy.20Ary laha ijy mbola nieritreritre mahakasike ireo raha ireo igny, die niboke tamin'ajy tamin'ny nofy ny anjelin'ny Tompo, Magnano hoe: ''Josefa, janaka lahin'i Davida, aja matahotre ny hangala an'i Maria ho vadinao, satria ilay raike ijay notorontoronina ao agnatiny die Fanahy Masina no nampitoetra an'ajy. 21Hamaitre jaja lelahy ijy, ary anao hagnatso ny agnarany hoe Jesôsy, fa ijy no hamonjy ny olony hiala amin'ny fahotan-dreo.''22Ijany abiaby ijany die nibôke mba hahatanterake ijay nambaran'ny Tompo tamin'ny alalan'ilay mpaminany, magnano hoe:'' 23Indro, ny virijiny hanagn'anake ka hamaitre jajalelahy, ary areo hagnatso ny agnarany hoe Imanoela''_ijay midika hoe:'' Amintsena Andriamanitra.''24Nifoha tamin'ny torimasony Josefa ary nagnano arak'ijay nandidian'ny anjelin'ny Tompo an'ajy ary nangala an'ajy ho vady. 25Sengy tsy niray tamin'ajy mandram-pamaitrany jajalelahy. Ary nangehany hoe Jesôsy ny agnarany.Chapter 2
1Tafaran'ny nahaterahan'i Jesôsy tao Betleheman'i Jodia tamin'ny andron'i Heroda mpanjaka, die tonga tao Jerosalema ireo lelahy manam-pahalalana avy agny atsignanana nijaka hoe:'' 2Aja Ijy ijay terake ho Mpanjakan'i Jiosy? Nahita ny kintagna avy egny atsignanana ahay ary tonga mba hidera an'ajy.'' 3Laha naharegne an'ijany i Heroda mpanjaka, die nihorohoro ijy, sy i Jerosalema manontolo niarake tamin'ajy.4Nindôsin'i Heroda niaraka ny lohan'ny mpisorogna abiaby, sy ny mpanora-dalànan'ny olona, ary nagnotany an-dreo ijy hoe:'' Aja no hahaterahan'i Kristy? 5Nijaka tamin'ajy areo hoe:'' Ao Betleheman'i Jodia, fa ijao no vôsoratry ny mpaminany hoe:'' 6Fa anao, Betlehema, agny amin'ny tanin'ny Joda, die tsy kely indrindra amin'ireo mpitondran'i Joda, fa avy aminao no hiavian'ny mpanapake ijay hiandry ny oloko Israely.''7Ary nangaike mangingigna ireo lelahy manam-pahalalana i Heroda mba hagnotany an-dreo majava tsara ny fotôgna niboahan'ilay kintagna. 8Nalefany agny Betlehema areo, magnano hoe:''Mandehana ary fotory tsara ny amin'ilay jaja. Laha hitanareo ijy, die ampilajao iaho, mba ahafako menga agny mandy koa hidera an'ajy9Tafaran'ny naharegnesan'dreo ny mpanjaka, die nandeha tamin'ny lalany'andreo, die ny kintagna ijay hitan'dreo tegny atsignanana no neloha an-dreo mandra-pijanony teo ambon'ny toerana nisy NY zaza. 10Rehefa nahita ny kintagna an-dreo, die nifaly tamim-pifaliam-be.11Niditre tao amin'ilay tragno areo ary nahita ny jaja niarake tamin'i Maria endrine. Niankohoke sy nidera an'ajy areo. Nanokatre ny fitoeran-kareny areo ary nanolotre fagnomejana volamena, dintin-kajo magnitre, ary miora ho an'ajy. 12Nampitandrigna an'ajy areo tamin'ny nofy Andriamanitra mba tsy hiverigna agny amin'i Heroda, ka lalana hafa no nandehan-dreo namonjy ny fireneny avy.13Laha lasa areo, die nisy anjelin'ny Tompo nibôke tamin'i Josefa tamin'ny alalan'ny nofy ary nijaka hoe:'' Miaregna, indôsy ny jaja sy ny endriny, ary milefa agny Egypta. Mipetraha agny mandra-pilajako aminao, fa i Heroda die mitady ilay jaja mba hamonoany an'ajy''. 14Ny align'igny Josefa die nifoha ary nitondra ny jaja sy ny endrine ka nenga agny Egypta. Nipetrake tagny ijy mandra-pahafaty an'i Heroda.15 Ijany die nagnatanterake ijay nambaran'ny Tompo tamin'ny alalan'ny mpaminany hoe:'' Nangehako hiala tagny Egypta ny janako.''16Avy eo Heroda, laha nahita fa vôfita-dreo lelahy manam-pahalalana, die vignitre mahare. Nagnirake sy nampamono ny jaja lelahy abiaby roa taogna no mijotso ijay tao Betlehema sy tao amin'ny faritre abiaby ijy, araka ny fotôgna ijay nofotorany majava tamin-dreo lelahy manam-pahalalana.17Avy eo die tanterake ny jaka ijay nojakaina tamin'ny alalagn'i Jeremia mpaminany hoe:''18 Nisy feo regne tao Rama, fitomaniana sy fisaognam-be, mitomagny nohon'ny amin'ny janagny i Rahely, ary tsy nagneky ny hampangignina ijy, satria efa lasagna areo.''19Laha maty i Heroda, indro nisy anjelin'ny Tompo nibôke tamin'ny Josefa tagny Egypta tamin'ny nofy ary nijaka hoe:''20 Mifohaja ary indôsy ny jaja sy ny endrine ka mandehana agny amin'ny tanin'Isiraely, fa efa maty areo ijay nifofo ny aign'ny jaja.'' 21Nifoha Josefa, nindôsiny jaja sy ny endrine, ary nandeha tagny amin'ny tanin'Isiraely.22Fa laha regnine fa i Arkelaosy no nanjake tagny Jodia nandimby an'i Heroda iabany, die natahotre ny ho agny ijy. Tafaran'ny nampitandreman'Andriamanitra an'ajy tamin'ny nofy, die niala nenga agny amin'ny faritr'i Galilia ijy 23ka nandeha ary nipetrake tao amin'ny tanàna antsoina hoe Nazareta. Ijany die nahatanterake ijay vôlaja tamin'ny alalan'ireo mpaminany hoe: ''Nazarena no angehana an'ajy.''Chapter 3
1Tamin'ijany andro ijany die nandeha nitory tagny agn'efitr'i Jodia i Jaona mpanao Batisa magnano hoe: 2"Mivavaha, fa efa akeky ny fanjakan'ny lagnitra." 3Fa ijy no ilay nijakan'Isaia mpaminagny, magnano hoe: "Misy feo raika mangaike mahare agny agn'efitra hoe: 'Amboary ny lalan'ny Tompo, ahitsio ny lalagne.'"4Ary Jaona nisikina volon-drameva sy nagnano fehikibo hoditra tamin'ny valahagne. Ampanga sy tintely remby no nataony fihinagna.5 Ary Jerosalema, Jodia manontolo, sy ny faritra manontolo magnodidigna ny reniranon'i Jordana die nagnatogna anaje. 6Nataony batisa tegny amin'ny reniranon'i Jordana areo, laha efa nagneky ny fahotane.7Fa laha nahita ny Fariseo sy Sadoseo maro nagnatogna anajy mba hatao batisa ijy, die hoy ijy tamin'dreo hoe: "Ry taranaka menaragna feno poijina, ija no nampitandrigna anareo hilefa ny fahavignirana ijay ho avy? 8Mamoaja voa miendrika ny fivavahana.9 Ary aja maisaigna ny hilaja agneritreritra hoe: 'Managna an'i Abrahama ho abanay ahay.' Fa jakaiko aminareo Andriamanitra die mahavita manangagna janaka ho an'i Abrahama na die avy amin'ito vato ito aja.10Ary efa napetraka eo am-pototrin'ny hajo ny andrognana. Koa ny hajo manontolo ijay tsy mamoa voa tsara die hitapahina ary hatsipy agny agnaty afo. 11Magnano batisa anareo amin'ny rano hômin'ny fivavahana iaho. Fa mahery noho iaho ijy ijay tonga afarako, ary iaho die tsy mendrika mihintsy na die ny hitondra ny kapany aja. Hagnano Batisa anareo amin'ny Fanahy Masina sy ny afo Ijy.12 Efa egny an-tagnany ny fikororohany ba hagnadiovana ny famoloany ary hanangonana ny variny any an-tsompitre. Fa ijy die handoro ireo akofa amin'ny afo ijay tsy mety mate."13Avy teo Jesôsy avy tagny Galilia ka tonga teo amin'ny reniranon'i Jordana mba hataon'i Jaona batisa. 14Nefa i Jaona die niejaka nanakana anajy, magnano hoe: "Iaho no mila ataonao batisa, nefa anao koa ve no magnatogna anahy?" 15Jesôsy namaly ary nijaka taminajy hoe: "Ekeo ijany ankehitriny, fa ijao no mety amintsena hahatanteraka ny fahamarinana manontolo." Avy eo Jaona nagneky anajy.16Laha vita batisa Ijy, tonga die nivôka Jesôsy, ary jay, nivoha taminajy ny lagnitre. Hitany ny Fagnahin'Andriamanitra nidigna hôtrany voromahalala ary nandeha eo ambonine.17 Ary jay, nisy feo avy agny an-dagnitra nagnano hoe: Itoy no Janako malalako. Ijay sitrako indrindra."Chapter 4
1Avy eo Jesôsy notarihan'ny Fanahy ho agny agn'efitre mba halain'ny devoly fagnahy. 2Laha avy nifady hanigna efapolo andro sy efapolo aligna ijy, die mosaregna. 3Nagnatogna ny mpaka fagnahy ka nijaka tamin'ajy hoe:'' Laha Janak'Andriamanitra anao, die jakao ho tonga mofo ireto vato ireto.'' 4Fa Jesôsy namaly ka nagnano hoe:'' Tsy ny mofo mandy no hiveloman'ny olo fa ijay teny abiaby aloaky ny vavan'Andriamanitra.''5Avy eo ny devoly nitondra an'ajy tagny amin'ny tanàna masina ka nametraka an'ajy teo amin'ny faratampon'ny tempoly, 6ary nijaka tamin'ajy hoe:'' Laha Janak'Andriamanitra anao, die midaboha agny ambany agny, vôsoratra hoe:' Ijy handidy ireo anjeliny hiahy anao' sy hanadratre Anao eo amin'ny tagnan-dreo, ka tsy ho tafintohigna amin'ny vato ny tongotrao.''7Jesôsy nijaka tamin'ajy hoe:'' Die mbola vôsoratra indraika hoe:' tsy tokony hitsapa ny Tompo Andriamanitrao Anao.' 8Nindôsiny devoly henga agny amin'ny toerana agnambo indraike Ijy ary nampibôka an'ajy ny fanjakana abiaby amin'ijao tontolo ijao sy ny hatsaran'ireo.9 Hoy ijy tamin'ajy hoe:'' Ireo abiaby ireo die homeko anao, laha tao ka miankohoke eto ankatrehako sy midera an'ahy anao.''10Avy eo Jesôsy nijaka tamin'ajy hoe:" Mialà eto anao, ry Satana! Fa efa vôsoratra hoe:' Anao die hidera ny Tompo Andriamanitrao, ary ijy irery mandy no ho tompoinao.'' 11Avy eo nandao an'ajy ny dévoly, ary indreo, nisy anjely tonga ka nanompo an'Ajy.12Ary laha regnin'i Jesôsy fa vôsambotre Jaona, die nimpody nenga agny Galilia ijy. 13Nandao an'i Nazareta ijy ka nandeha ary nonigna tao Kapernaomy, ijay eo amoron-dranomasin'ny Galilia, ao amin'ny jara-tanin'i Zebolona sy Naftaly.14Ijany no nitranga mba hahatanterake ijay nambaran'Isaia mpaminany hoe:''15 Ny tanin'i Zebolona sy ny tanin'i Naftaly, menga agny amin'ny ranomasina, agny an-dafin'i Jordana, Galilia an'ireo Jentilisa! 16Ireo olo nidoboke tamin'ny menjigna die nahita fahajavana lehibe, ary ireo ijay nidoboke tamin'ny faritra sy ny aloky ny fahafatesana, die teo amin-dreo no niposahan'ny fahajavana.''Ary tamin'ijany fotôgna ijany Jesôsy die nanomboke nitory tenu sy nilaja hoe:'' Mibebaha, fa efa akeky ny fanjakan'ny lagnitra.''18Laha nandeha tegny amoron'ny Ranomasin'i Galilia Ijy, dia nahita mpirahalahy roe, Simona ijay nantsoina hoe Petera, ary Andréa rahalahiny, nanipy ny haratony tegny amin'ny ranomasina, fa mpagnarato areo. 19Hoy Jesôsy tamin-dreo hoe:''Andeha, hagnaraka an'Ahy, fa hataoko mpagnarato olo anareo.'' 20Teo no eo mandy die nandao ireo harato areo ka nagnaraka an'Ajy.21Ary laha mbola nandroso Jesôsy die nahita mpirahalahy roe hafa, Jakoba janak'i Zebedio, sy Jaona rahalahiny.Nagnambôtre ny haratony tao an-tsambo areo niaraka tamin'i Zebedio iaban-dreo. Nangaike an-dreo Ijy, 22ka teo no eo mandy die nandao ny sambokeliny sy ny abany areo ka nagnaraka an'Ajy.23Nandeha eran'i Galilia Jesôsy, nampianatre tao amin'ny synagogan-dreo, nitory ny filajantsaran'ny fanjakana , ary nagnasitragna ireo karajagn'aretigna abiaby mbamin'ny rofy abiaby teo amin'ny olo. 24Niely eran'i Syria ny vaovao mahakasika an'Ajy, ka die nindôsin'ny olo teo tamin'Ajy ireo ijay marary abiaby, mararin'ny karajagn'aretigna sy fangirifiriana, ireo demoniaka, sy ijay mararin'ny androbe sy mararin'ny paralysisa. Nositranin'i Jesôsy ijy iregny. 25Vahôke rahabe avy tagny Galilia, Dekapolisy, Jerosalema, Jodia ary ny avy agny an-dafin'i Jordana no nagnaraka an'Ajy.Chapter 5
1Laha nahita ireo fokon'olo Jesôsy, die nagnanike teo an-tendrombohitre. Laha tafatoboke Ijy, die nagnantogna an'Aje ireo mpianatrane. 2Namoha ny vavane Ijy ary nampianatre an-dreo, magnano hoe: 3''Sambatre ny misotry am-pagnahe, fa an-dreo ny fanjakan'ny lagnitre. 4Sambatre ireo misôgna, fa hampionognina areo.5Sambatre ireo malemy fagnahy, fa areo no handova ny tany. 6Sambatre ireo ijay mosaregna sy mangetaheta ny fahamarignana, fa hivokisana areo. 7Sambatre ireo mpamindra fo, fa hahajo famindram-po areo.8 Sambatre ireo madio am-po, fa hahita an'Andriamanitra areo.9Sambatre ireo mpampihavana, fa areo no angihina hoe janak'Andriamanitra. 10Sambatre ireo ijay injehina nohon'ny fahamarignana, fa an-dreo ny fanjakan'ny lagnitre.11Sambatre anareo laha maniratsira anareo sy magnenjike anareo ny olo, ary mijaka ny karajagna vandy ratsy abiaby hanohitra anareo lohon'ny amin'Ahe. 12Mifalia sy miravoravoa, fa makadiry ny valisoanareo agny an-dagnitre. Fa hôtran'ijane ny fomba nagnenjehan'olo ireo mpaminany ijay niaigna talohakanareo.13Anareo no siran'ny tany. Fa laha ny sira no nanjary matsatso, amin'ny fomba akory no hahamasigna ijane indraike? Tsy ho tsara na amin'ino na amin'ino koa ijane fa hariana sy ho hididian'ny hongotr'olo ambine. 14Anareo no fahajavan'ijao tontolo ijao. Ny tanàna mitsangagna eo amin'ny tagnambogna die tsy ajo hasitrike koa.15Tsy misy olo mamelogna jiro ka magnapetraka ijane agne ambane tanty, fa eo amin'ny fipitrahan-jiro, ka magnajava ny abiaby ao an-dragno ijane. 16Ôka hajava eo alohakan'olo hôtran'ijane fomba ijane ny fahajavanareo mba hahitan-dreo ny asa tsara amboarinareo ary hankalajane an'Iabanareo ijay agne an-dagnitre.17Aja mieritreritra hoe avy handrava ny lalàna na ireo mpaminany Iaho. Tsy avy hanimba ireo Iaho, fa hagnatanteraka ajy ireo. 18Fa vorianiko marina aminareo fa mandra-pahalevognan'ny lagnitre sy ny tany, die tsy ho fôgna amin'ny lalàna na die litera raike sy tendro-soratre raike aja, mandra-pahatanteraky ny raha abiaby.19Noho ijane n'ija na'ija tsy mandika na die ny farany kitike amin'ireo didy ireo sy mampianatre ny hafa hagnano hôtran'ijane die hangihina hoe farany kitike ao amin'ny fanjakan'ny lagnitre. Fa n'ija n'ija mankatò sy mampianatre ireo die hangihina hoe makadiry ao amin'ny fanjakan'ny lagnitre. 20Fa vorianiko aminareo fa laha tsy mihôtre noho nen'ny mpanora-dalàna sy ny fariseo ny fahamarignanareo, die tsy hiditre ao amin'ny fanjakan'ny lagnitre mihitsy anareo.21Efa regninareo fa vôlaja tamin-dreo talohake hoe: ''Aja mamono olo; ary ''N'ija n'ija mamono olo die ho helohina agny amin'ny fitsaràna.''22 Fa vorianiko aminareo fa ijay abiaby vignitre amin'ny rahalahine die sahaja ho helohina agne amin'ny fitsaràna; ary n'ija n'ija mijaka ny rahalahine hoe: ''Anao die olom-pôgna!'' die ho helohina agny amin'ny filan-kevitre; ary n'ija n'ija mijaka hoe: ''Môla anao!'' die sahaja ny ho agne amin'ny farihy mirehitra afo.23Noho ijane laha magnome ny fagnatitrao eo amin'ny alitara anao ka tadidinao teo fa managna alahelo aminao ny rahalahinao, 24die abilay eo alohakan'ny alitara ny fagnatitrao, ka mandihana jory ny lalagnao. Mihavàna alohake amin'ny rahalahinao, ary avy teo mipodia die omeo ny fagnatitrao.25Mihavàna malaky amin'ny mpitory anao laha mbola miara-dia amin'ajy agne amin'ny fitsaràna anao, fa sao die ny mpitory anao hagnome anao amin'ny mpitsara, ary ny mpitsara mety hagnome anao amin'ny manam-boninahitre, ka higadaraina anao. 26Vorianiko marina aminareo, fa tsy ho afaka mivôke ao mihitsy anao mandra-pandoavanao ny vola faran'ny kitike indrindra amin'ny trosanao.27Efa regninareo fa vôlaja hoe: ''Aja mijangajanga.'' 28Kanefa vorianiko aminareo fa ijay abiaby mijaha viavy ka magniry an'ajy die efa nijangajanga tao am-pone sahady.29Laha manafintohigna anao ny masonao ankavanana, die alay ijany ary atilio lavitra anao. Fa tsara loholoho hônao laha ny ampahane raike amin'ny vatagnao no tokone hisimbaina fa tsy ny tegnanao abiaby no atily agne amin'ny afobe.30 Laha manafintohigna anao ny tagnanao ankavanana, die tapahy ary atilio lavitra hienga aminao. Fa tsara loholoho hônao laha ny ampahane raike amin'ny vatagnao no tokone ho very fa tsy ny tegnanao abiaby no atily agne amin'ny afobe.31Ary efa vôlaja mandy koa hoe: ''N'ija n'ija misarake amin'ny vadine, die ôka ijy hagnome an'ajy ny taratasy fisaraham-panambadiena.'' 32Fa Iaho koja mijaka aminareo fa ijay abiaby misaraka amin'ny vadine, hafa-tsy nohon'ny fijangajangana, die mampijangajanga an'ajy. N'ija n'ija manambady an'ajy afaran'ny fisarahane die mijangajanga.33Ary koa, regninareo fa vôlaja tamin'ny ntaolo hoe: ''Aja mifanta fifantana diso, fa indôsy eo agnatrehan'ny Tompo ny fifantanao.'' 34Fa Iaho koja mijaka aminareo, aja mifanta amin'ny raha abiaby, na amin'ny lagnitre aja, fa seja fendriagnan'Andriamanitra ijane; 35na amin'ny tany, fa fitobohan-tongone ijane; na koa amin'ny Jerosalema, fa tanànan'ny mpanjaka makadiry ijane.36Aja mifanta amin'ny lohanao, fa tsy afaka magnafotsy na magnamenty ny singambolo raike anao. 37Fa ôka ny jakanao ho, ''Ieka, ieka'' na ''Tsiare, tsiare''. Ijay mihôtra ijane die avy amin'ny ilay ratsy.38Regninareo fa vôlaja hoe: ''Maso solon'ny maso, ary ny nify solon'ny nify''. 39Fa Iaho koja mijaka aminareo hoe, aja manohitra ijay ratsy. Fa koja, n'ija n'ija mandraha ny takolakao ankavanana die omeo an'ajy koa ny ilane.40Ary laha misy olo magniry ny hiaraka aminao ho agne amin'ny fitsaràna ka mangala ny akanjonao, die abilay hôn'ajy mandy koa ny lambanao. 41N'ija n'ija manery anao handeha kilômetra raike, mandihàna miaraka amin'ajy amin'ny kilômetra roe. 42Omeo ijay mangataka aminao, ary aja mandà n'ija n'ija magniry ny hindragna aminao.43Efa regninareo fa vôlaja hoe: ''Tsy mentsy mitia ny mpiara-belogna aminao anao ary mankahala ny fahavalonao''. 44Fa vorianiko aminareo, tiavo ny fahavalonareo ary mivavaha hôn'ijay magnenjike anareo, [Fagnamarihana: Ny dikan-teny talohake tsara indrindra die mangala ny hoe: ''Misôra ireo ijay magnojogna anareo, mamboara ny tsara amin'ireo ijay mankahala anareo.''] 45mba hanjary janakan'Iabanareo ijay agny an-dagnitre anareo. Fa Ijy die mampiposaka ny masoandrone amin'ny ratsy sy ny tsara, ary mampilatsake ny erike amin'ny marina sy ny tsy marina.46Fa laha ireo ijay tia anareo no tiavinareo, ino ny valisoa ajonareo? Moa na die ny mpamory hetra aja tsy mba magnano hôtran'ijany koa? 47Laha ny rahalahinareo rerike mandy no agnontanianareo, ino ny mba amboarinareo mihôtran'ny hafa? Moa na die ny Jentilisa aja tsy mba magnano hôtran'ijany koa? 48Noho ijane die tsy mentsy tanterake anareo, hôtran'ny fahatanterahan' Iabanareo ijay agny an-dagnitre.Chapter 6
1Mitandrema mba tsy hagnano ny asan'ny fahamarinanareo eo agnatrehan'ny olo anareo mba ho hintan-dreo, fa laha tsy ijany die tsy hahajo ny valisoa laha tamin'ny Iabanareo ijay agny an-dagnitre. 2Noho ijany rehefa maneho fihantrana anareo, die aja mitsoka tropetra misarika ny hafa hôtran'ny ataon'ny mpietsara velatsihy agny amin'ny synagoga sy egny amin'ny lalagna, ka mba mety hahajo ny fideran'olo andreo. Jakaiko marina aminareo, fa andreo die efa nandray ny valisoany.3Fa rehefa maneho fihantrana anareo, aja atao fantatrin'ny tananareo havia ijay amboarin'ny tananareo havanana, 4ka mba homena mangingina ny fonomezanareo. Avy eo ny Iabanareo ijay mahita amin'ny mangingina no hamaly soa anareo5Rehefa mivavake anareo, aja manao hôtran'ny petsaravelatsihy , fa areo tia mijoro sy mivavake eo amin'ny synagoga sy eo amorondalagna, ka mba mety ho hitan'olo. Jakaiko marina aminareo, fa areo die efa nandray ny vqlisoany. 6Fa anareo, rehefa mivavake, midira ao amin'ny efi-tragnonareo. Mpegno ny varavaragna, die mivavaha amin'ny Iabanareo ijay ao amin'ny mangingigna. Avy eo ny iabanareo ijay mahita ao amin'ny mangingigna no hamaly soa anareo. 7Rehefa mivavake anareo, aja manao jaka rahabe tsy misy ilàna anazy hôtran'ny amboarin'ny Jentilisa, ny amin'ny fiheverany fa ho regny dreo nohon'ny jaka rahabe ijay ataony.8Noho ijany, aja manao hôtra andreo, fa ny Iabanareo die efa mahafantatre ireo raha ijay ilainareo melohon'ny angatahinareo Aminajy. 9Noho ijany mivavaha hôtran'zao hoe: 'Rainay ijay agny an-dagnitra, ho hamasinina'anie ny agnaranao. 10Ho tonga anie ny fanjakanao. Hatao anie ny sitraponao ety an-tany hôtran'ny agny an-dagnitre.11Omeo anay androany ny hanina antognine ho anay. 12Mamelà ny helokay, hôtra ny hamelanay ijay meloka taminay. 13Die aja mitondra anay amin'ny fankam-panahy,fa magnafaha anay amin'ny ratsy. '''[Fagnamarihana: Ny dika teny taloha tsara indrindrq die manala ny hoe: ''Fa Anao ny fanjakana sy ny hery ary ny voninahitra mandrakizay. Amena.'']14Fa raha mamela ny hadisoan'ny olo anareo, die hamala anareo mandy koa ny Iabanareo iajy agny an-dagnitra. 15Fa raha tsy mamela ny hadisoan'ijy reo anareo, die tsy hamela ny hadisoanareo mihintsy ny Iabanareo.16Ankoatra an'izay rehefa mifady hanina anareo, aza mampiseho endrika mampalahelo hôtran'ny ataon'ny mpiatsaravelatsihy, fa magnaratsy tarehy ijy reo ka mba mety ho hitan'olo fa tena mifady hanina. Jakaiko marina aminareo, fa efa nandray ny valisoany andreo. 17Fa anao, rehefa mifady hanina, tavony menake ny lohanaao die sasao ny tarehinao, 18ka mba tsy ho hitan'olo hoe mifady hanina, fa amin'ny Iabanao izay ao amin'ny mangingina mandy; die ny Iabanao izay mahita ao amin'ny mangingina, no hamaly soa anao19Aza magnatsary ny harenareo ety an-tany, izay avetrakan'ny kalalao sy harafesina, ary hidiran'ireo mpangalatra ankeriny ka hangalatra. 20Fa koja, atsarezo ny harenareo agny an-dagnitra, izay tsy ho avetrakan'ny kalalao sy harefesina, ary tsy hidiran'ireo mpangalatra an-keriny ka hangalatra. 21Fa izay misy ny harenao, no ipetrahan'ny fonao mandy koa.22Ny maso ijoroan'ny vatana. Noho ijany, raha tsara ny masanao, die ho feno fahazavana ny vatana abiaby. 23Fa raha ratsy ny masonao, die ho feno haijigna ny vatagnanao manontolo. Noho ijany, raha mejigna ny fahazavanay ao anatinao amin'ijao, manao ahôna ny halehibehin'ijany haijina ijany! 24Tsy misy afaka hanompo tompo roa, fa hankahala ny iray izy ary hitia ny iray, raha tsy ijany hanolo-tegna ho an'ny raike ka hankahala ny raike hafa. Anao die tsy afake hanompo an'Andriamanitra sy ny harena.25Noho ijany jakaiko aminareo, aza miahiahy momba ny aignanareo, ijay hohaninareo na ijay hinominareo - na momba ny vatagnanareo, ijay hotafianareo. Fa tsy lehibe noho ny sakafo ve ny fiainana, die ny vatana lihibe noho ny fitafiana? 26Jahao ireo vorona eny amin'ny habakabaka.vIjy regny die tsy mamafy na mijinja na mamory ao an-tsopitra,fa ny Iabanareo ijay any an-danitra no mamahana ajy iregny. Tsy sarobidy kokoa mihoatra ireny ve anareo?27Iza aminareo no afaka manampy hakio iray ami'ny andro hiainany amin'ny fanahiana? 28Nagnino anareo no miahiahy momba ny fitafianareo? Saigno ny momban'ny lilia egny amin'i saha, ahôna ny fanirin'izy ireny. Tsy mba miasa ijy ireny, die tsy mamoly fitafiana. 29Jakaiko aminareo, fa na i Solomona aza amin'ny voninahiny manontolo die tsy nitafy hôtran'ny raike amin'ireny.30Raha ampitafian'Andriamanitra hôtran'ijany ny ahitre agny an-karenana, ijay rehetra misy anio sy rahampitso die hatsipy ao ampatana, hôtran'niaza no ampitafiany anareo bebe kokoa, anareo ry kely finoana? 31Noho ijany aza miahiahy ka mijaka hoe : 'Ino no hohaninay?' na hoe: 'Ino no hosotronay ?' na hoe: 'Ino ny fitafiana ho hanaovanay?'32Fa ireo Jentilisa mandreby ireo raha ireo, ary ny Iabanareo ijay any an-dagnitre die mahafantatre fa mila ireo anareo. 33Fa rombenjo aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany die homena anareo ireo raha ireo. 34Noho ijany, aza miahiahy ny ampitso, fa ny ampitso hanahy ny azy. Ampy ho an'ny andro kiraidraike ny ratsy ao aminazy.
Chapter 7
1Aja mitsara, die tsy hitsaraina anareo.2 Fa amin'ny fitsarana namboarinareo, ary amin'ny fandrifesana andrifesanareo, no handrifesana anareo.3Nagnino anao no mijaha ny singa-mololo kitike ijay ao agnatin'ny mason'ny rahalahinao,nefa tsy hitanao ny andry ao agnaty masonao? 4Akory no hijakanao ny rahalahinao hoe: ''Abilay iaho hangala ny singa-mololo ijay ao agnaty masonao'', laha mbôla ao agnatin'ny masonao ilay andry?5 Ry mpetsaravelatsihy! Alay alohake ny andry ao agnaty masonao, ary avy teo anao hahita tsara laha mangala ny singa-mololo ijay eo amin'ny mason'ny rahalahinao.6Aja omena ny amboa ijay masina, ary aja atily eo amin'ny kosoa ny vatosoanareo. Laha tsy ijane die mety ho vôhitakane ny hongon-dreo, ary avy teo hifotitre sy hamiravira anareo amin'ny fahapotehana.7Mangataha, die omena anareo ijane. Mandrombeja, die hahita anareo. Dodogny, fa hivoha hônareo ijane. 8Fa ijay abiaby mangatake, die mahajo; ireo abiaby ijay mandrembe, die mahita; ary hôn'olo mandondogna, die hivohàna. 9Sa ija aminareo, laha angatahan'ny janagne mofo, no hagnome vato an'aje? 10Na koa laha nangatahane trondro, ka hagnome bibilava an'aje?11Noho ijane, laha anareo ijay ratsy aja mahay magnome ireo fagnomejana ijay tsara hôn'ny janakareo, moa tsy makadiry mihôtra ve ny raha tsara omen'Iabanareo ijay agne an-dagnitre hôn'ireo ijay mangatake amin'Aje?12 Noho ijane, n'ino n'ino raha tianareo hamboarin'olo amin'ny tegnanareo, die tokone hambôtre hôtran'ijane amin-dreo mandy koa anareo, fa ijane no lalàna sy ireo mpaminany.13Midira amin'ny vavahady tere. Fa makadiry ny vavahady ary malalake ny lalagna mitondra agne amin'ny fahaverejana, ary rahabe ireo olo ijay mandeha amin'ijane.14 Fa tery ny vavahady ary sarotre ny lalagna ijay mitarike megnegne amin'ny fiaignana, ary pitike ireo ijay mahita ijane.15Mitandrema amin'ireo mpaminany sandoke, ijay magnantogna anareo amin'ny fitafian'ondry nefa amboadia tena mpihaja.16 Amin'ny alalan'ny vône no hafantaranareo an-dreo. Mila vôloboke egne amin'ny fantsy ve ny olo, na koa aviavy egne amin'ny songosongo? 17Mitovy amin'ijane, ny hajo tsara abiaby die mamokatre vôny tsara, fa ny hajo ratsy die mamokatre vôny ratsy.18Ny hajo tara die tsy afake ny hamokatre vôny ratsy, na koa ny hajo ratsy die tsy afake mamokatre vôny tara. 19Ny hajo abiaby ijay tsy mamokatre vôny tsara die tapahina ary hatily agne agnaty afo. 20Ka noho ijane, ho fantatrareo areo amin'ny alalan'ny vône.21Tsy ireo abiaby ijay mijaka amin'Ahe hoe: ''Tompo,Tompo'', die hiditre ny fanjakan'ny lagnitre, fa ireo ijay magnano ny sitrapon'Iabako ijay agne an-dagnitre mandy.22 Rahabe ny olo hijaka amin'Ahe amin'ijane andro ijane hoe: ''Tompo, Tompo'', tsy efa naminany tamin'ny agnaranao ve ahay, tsy efa namôke ireo demonia tamin'ny agnaranao, ary nagnano ireo asa makadiry tamin'ny agnaranao?'' 23Avy teo Iaho hagnatoro amin-dreo ampahabemaso hoe: ''Tsy nahafantatra anareo mihitsy Iaho! Misitaha lavitra an'Ahe, ry mpagnano ratsy!''24Noho ijane, ireo abiaby ijay maharegny ny jakako ary nankatò ijane die ho hôtran'ny olo kanty ijay nanangagna ny tragnone egne ambony vatolampy. 25Nilatsake ny erike, avy ny ranobe, ary nandrivotre nahare sy nandraha ilay tragno ny rivotre, fa tsy tola ijane, satria natsangagna teo ambony vatolampy.26Fa ny abiaby ijay naharegny ireo jakako ka tsy mankatò an'aje iregne die hôtean'ny olo môla ijay nanangagna ny tragnone egne ambony fasike. 27Nilatsake ny erike, avy ny ranobe, ary nandrivotre nahare sy nandraha ilay tragno ny rivotre, ka die tola ijane, ary feno ny faharavane.''28Ary laha avy nagnambara ireo teny ireo Jesôsy, varegna tamin'ny fampenarane ireo fokon'olo, 29satria nampianatra an-dreo hôtran'ny olo ijay managna fahefana Ijy, fa tsy hôtran'ireo mpanora-dalànan-dreo.Chapter 8
1Laha nijotso laha tegny an-tete Jesôsy, die vahôke rahabe no nagnarake an'Ajy. 2Indro, nisy boka raike nagnatogna an'Ajy ary nandohalike teo alohany, nagnano hoe:'' Tompo, laha sitrakao, die afake manadio an'ahy Anao.'' 3Nagnatsotre ny tagnany Jesôsy ary nikasike an'ajy, nagnano hoe:'' Sitrako. Mahadiova.'' Teo no ho eo die nadio tamin'ny fahabokany ijy.4Hoy Jesôsy tamin'ajy hoe:'' Ôke mba tsy hijaka an'ino na ino na amin'ija na amin'ija anao. Mandehana amin'ny lalanao, atoroy amin'ny mpisorogna ny tegnanao ary atolory ilay fanatitra ijay nodidian'ny Mosesy, mba ho fijorôna vavolombelogna amin-dreo.''5Laha niditre tao Kapernaomy Jesôsy, die nagnatogna an'Ajy ny Kapiteny raike ary nagnotagny an'Ajy, 6nagnano hoe:'' Tompo, mandry ao an-dragno ny mpanompoko fa maleme ary ao anatin'ny fanaitaignana mahare.'' 7Hoy Jesôsy tamin'ajy hoe:" Ho avy Iaho ary hagnasitragna an'ajy.''8Namale ny kapiteny ary nagnano hoe:" Tompo, tsy mendrika iaho ny tokony hidiranao ao ambany tafon-tragnoko, jakay mandy ny jaka die ho afake ny mpanompoko.9 Fa iaho mandy koa die lelahy ijay napetrake ao ambany fahefana, ary managna miaramila ijay fihejiko iaho. Mijaka amin'ny raike iaho hoe:' Mandehana die mandeha ijy, ary amin'ny hafa raike hoe:' Avia,' die magnatogna ijy, ary amin'ny mpanompoko hoe:'' Atôvy ijao, ' die ataony ijany. '' 10Laha regnin'i Jesôsy ijany, die jedagna Ijy ary nijaka tamin-dreo ijay nagnarake an'Ajy hoe:'' Jakaiko marina aminareo, fa tsy mbola nahita olo nanam-pinoana hôtran'ijany Iaho teto Israely.11Jakaiko aminareo, fa be ny avy agny atsinanana sy avy agny andrefana no ho avy, ary an-dreo die hitoboke eo an-databatre miarake amin'i Abrahama, isaka ary Jakoba, agny amin'ny fanjakan'ny lagnitra. 12Fa an-dreo janaky ny fanjakana die hatsipy agny ivelan'ny aizigna alavitre agny, ijay hisy fitomagniana sy fikitroha-nify.' 13Hoy Jesôsy tamin'ilay kapiteny hoe: "Mandehana! Arake ny ninoanao, die ôka ijany ho amboarina ho anao." Ary die nahafake tamin'ijany lera ijany mihitsy ny mpanompo.14Laha niditre tao an-dragnon'i Petera Jesôsy, die nahita ny rafojam-bavin'i Petera nandry nararin'ny tajo Ijy. 15Nokasihin'i Jesôsy ny tagnany, ary niala tamin'ajy ny tajo. Die nitsangagna ijy ary nanomboka nandroso hanina an'Ajy.16Laha avy ny tsondrogn'andro, die rahabe ireo nofihejin'ny demony nindôsin'olo teo amin'ny Jesôsy. Nandrôke ireo fagnahy tamin'ny teny Ijy ary nagnasitragna ireo abiaby ijay narary. 17Hôtran'ijany no nahatanterake ijay nambara tamin'Isaia mpaminany, nagnano hoe: '' Ijy tegnany nangala ny faharariantsena sy nitondra ireo aretintsena.''18Ary laha hitan'i Jesôsy ireo vahôke nagnodidigna an'Ajy, die nagnome toromarika mba hialana ho egny ampitan'ny ranomasigna Galilia Ijy. 19Avy eo ny mpanora-dalàna raike nagnatogna an'Ajy ary nagnano hoe:'' Ry mpampianatre, hagnarake Anao aho na aija na aija ombanao.'' 20Hoy Jesôsy tamin'Ajy hoe:'' Ny amboahaolo manan- davake, ary ireo voron'ny lagnitra managna songo, fa ny Janak'olo tsy managna .na aja na aja ampandriana ny lohany.''21Raika hafa tamin'ireo mpianatre nijaka tamin'ajy hoe:'' Tompo, abelao aho aloha handeha ary handevigna an'i abako.'' 22Fa hoy Jesôsy tamin'Ajy hoe'' Magnaraha an'ahy, ary abelao ny maty handevigna ny maty ao amin'ajy manokagna.''23Laha niditre tao amin'ny sambokely raike Jesôsy, die nagnaraka an'Ajy tao agnatin'ireo mpianany. 24Indro, nisy tafio-dravitre lehibe nitranga teo amin'ny ranomasigna, ka die rakotry ny onja ny sambo. Fa resin-tory Jesôsy. 25Nandeha eo Amin'Ajy ireo mpianatra ary namoha an'Ajy nagnano hoe:'' Vonjeo antsena, Tompo; ho faty antsena!''26Hoy Jesôsy tamin-dreo hoe:" Nahôna anareo no matahotre, ry kely finôna?'' Die nitsangagna Ijy avy eo ary nijaka mahare ny rivotre sy ny ranomasigna. Die nisy fitoniana be avy teo. 27Gaga ireo lelahy ary nijaka hoe:'' Fa karajagna lelahy ino itoy, fa na die ny rivotre sy ranomasigna aja mankato an'Ajy?''28Laha avy tegny agnilany sy teo amin'ny tanànan'ny Gadarenesa Jesôsy, die nisy lelahy roa ijay nofihejin'ny demonia nifananepake tamin'Ajy. Areo die nivoake avy agny amin'ireo kibory ary tena nahery setra, noho ijany die tsy nisy mpandeha afake nandalo ijany lalana ijany. 29Indro, nihiake mahare ijy ary nagnano hoe: '' Moa mpifagnino akory ahay sy Anao, ry Janak'Andriamanitra? Avy eto ve Anao hagnorohoro anay mialohan'ny fotôgna vôtondro?''30Ary nisy andian-kisoa rahabe nihinagna teo tsy die lavitre an-dreo. 31Mbola niangavy an'i Jesôsy mandy ireo demonia ary nagnano hoe:'' Laha mandrôke anay Anao, die alefao ao agnatin'ireo andian-kisoa ireo ahay.''32 Hoy Jesôsy tamin-dreo hoe:'' Mandehana!'' Die nivôke ireo demonia ka nandeha amin'ireo kisoa; ary indro, andiany abiaby nirifatre nijotso ny tendrombohitre mideza nenga agny an- dranomasigna ary maty tao agnaty rano areo33Ireo ijay nikarakara ireo kisoa die nihajakajake ary nenga agny amin'ny tanàna areo ary nitatitre ny raha abiaby, ary indrindra ijay nitranga tamin'ireo lelahy ijay nifihejin'ireo demonia. 34Indro, nivôke ireo tao an-tanàna abiaby mba hihaogna amin'i Jesôsy. Laha hitan-dreo Ijy, die nangatake an'Ajy mba handao ny faritanin-dreo.Chapter 9
1Niditre an-tsambokely Jesosy, nitsake ary tonga tao amin'ny tanànany. 2Indro, nisy lelahy mararin'ny paralysisa nandry teo am-pandriana nindösin-dreo teo amin'ajy. Laha nahita ny finoan-dreo, dia hoy Jesösy tamin'ilay lelahy mararin'ny paralesisa hoe: "Anake, öke anao hifale. Efa vövela ny helokao."3Indro, ny saragne tamin'ireo mpanora-dalàna nanao anakampo hoe: "Mijaka ratsy io lelahy io."4 Fantatr'i Jesösy ny eritreri-dreo ary nijaka hoe:" Nahöna anareo no mieritreri-dratsy ao am-ponareo?5 Fa ija no moramora loholoho no mijaka an'ajy hoe:" Vövela ny helokao, sa ny mijaka hoe:" mitsangàna ka mandehàna?' 6fa mba ho fantatrareo fa ny janak'olo die managna fahefana hamela heloke eto ambonin'ny tany,..." hoy ijy tamin'ilay mararin'ny paralisisa hoe:" Mitsangàna, batao ny fandrianao, ary mandehana any an-dragnonao."Avy eo nitsangana ilay lelahy ary nenga 7agny an-dragnony. 8Laha nahita ijany ny vahöke, die jendagna areo ary nidera an'Andriamanitra, ijay nagnome fahefana hötran'ijany ho an'ny olona. 9Ary laha niala avy teo Jesösy, die nahita lelahy nantsoina hoe Matio Ijy, ijay nidoboke teo amin'ny lain'ny famorian-ketra. Hoy Ijy tamin'ajy hoe:" Magnaraha an'Ahy." Nitsangana ijy ary nagnaraka an'Ajy.10Ary laha nidoboke hihinagna tao an-dragno Jesösy, indro, mpamory hetra sy olo mpanota rahabe tonga ary niara-nihinagna tamin'ny Jesösy sy ireo mpianany. 11Laha nahita ijany ireo fariseo, die nijaka tamin'ireo mpianany areo hoe:" Nahöna ny mpampianatrareo no miara-mihinagna amin'ny mpamory hetra sy ny olo mpanota?"12Laha naharegne an'ijany Jesösy, die hoy Ijy hoe:" Ny olo matanjaka ara-batagna die tsy mila mpitsabo, fa ireo ijay marary mandy. 13Tokony mandeha mianatre anareo ny dikan'ny hoe:" Famindram-po no iriako fa tsy sorogna." Fa tonga Aho, tsy hagnatso ireo marina hibebaka fa ireo mpanota."14Avy eo nagnatona an'ajy ireo mpianatr'i Jaona ka nijaka hoe:" Nahöna ahay sy ireo fariseo no mifady hanigna matetika, fa ireo mpianatrao koja tsy mba mifady?' 15Hoy Jesösy tamin-dreo hoe: "Mety malahelo ve ireo havan'ny mpampakatra, laha mbola miaraka eo amin-dreo ny mpampiakatra? Fa ho avy ny andro hangalana ny mpampakatra eo amin-dreo, die amin'ijay areo vö hifady hanigna.16Tsy misy olo manampigna akanjo tonta amin'ny tapa-damba vaovao, fa ny tampigna handrovitre ny lamba, ary hisy triatre ratsy lavitre.17Tsy misy olo magnisy divay voavao agnaty siny hoditre tonta. Laha magnano ijany areo, die ho triatre ny siny hoditre, ho rarake ny divay ary ho potike ny siny hoditre. Fa koja, magnisy divay vaovao ao agnaty siny hoditre vaovao areo, ary ho vötahiry ijy roe."18Laha mbola nijaka ireo raha ireo tamin-dreo Jesösy, die indro, nisy manam-pahefana raike tonga ka niankohoke teo amin'ajy. Nijaka ijy hoe:" Maty ijao ankehitriny ijao ny janako vavy, fa tongava ary apetraho eo amin'ajy ny tagnanao, dia ho velogna ijy."19 Avy eo nitsangana Jesösy ary nagnaraka an'ajy, die nagnano hötran'ijany koa ireo mpianany.20Indro, nisy viavy ijay efa nandeha rà nandritre ny roe ambin'ny folo taogna, nenga afaran'i Jesösy ary nikasike ny moron'akanjony. 21Fa hoy ijy tamin'ny tegnany hoe:" Laha mahavoakasika ny lambany mandy iaho die ho sitragna."22 Fa niherike Jesösy ka nahita an'ajy, die nijaka hoe:" Ry janako vavy, mahereja; ny finoanao no nahasitragna anao." Ary sitragna ilay vehivavy nanomboke tamin'io lera io.23Laha tonga tagny amin'ny tranon'ilay manam-pahefana Jesösy, die nahita ireo mpitsoka sodigna sy ireo vahöke nitabataba be Ijy. 24Die hoy Ijy hoe:" Mandehana, fa tsy maty ilay jajaviavy, fa matory ijy." Fa nihehe an'Ajy tamin'ny fanesoana areo.25Laha navoake tany ivelagne ny vahöke die niditra tao an'efitra Ijy ary nandray an'ajy tamin'ny tagnana, ary nitsangana ilay jajavavy.26 Niely nagnerana ny faritre abiaby ny vaovao momba an'ijany.27Ary laha niala teo Jesösy, die nisy jamba roalahy nagnaraka an'Ajy. Tsy niegnina nagnatso areo sady nijaka hoe:'' Mamindrà fo aminay, ry janak'i Davida!" 28Laha tonga ta-dragno Jesösy, die nagnatogna an'Ajy ireo lelahy jamba. Hoy Jesösy tamin-dreo hoe:" Mino ve anareo fa mahay magnano an'ijany Iaho?' Die hoy areo taminy hoe: '' Ieke, Tompo."29Avy eo nokasihan'i Jesösy ny mason-dreo ary nijaka hoe:" Ho tanterake aminareo araka ny finoanareo anie ijany," 30ary nahiratre ny mason-dreo. Avy eo Jesösy nandidy mafy an-dreo ary nijaka hoe:'' öka mba tsy hisy olo hahafantatra momba ijao. 31Fa nandeha ireo roalahy ka nagnely ny vaovao momba ijany nagnerana ijany faritra ijany.32Ary laha nandeha ireo roalahy, die indro, nisy lelahy mögna nitobohan'ny demonia nindösina teo amin'i Jesösy. 33Ary laha navöke ilay demonia, die nijaka ilay lelahy mögna. Zendagna ny vahöke ka nijaka hoe:" Tsy mbola fahita hatramin'ijay tamin'Isiraely ijao!" 34Fa hoy ireo fariseo hoe:" Tamin'ny fanapahan'ireo demonia, no namoahany ireo demonia."35Nandeha nitety ireo tanàn-dehibe sy ireo vohitra abiaby Jesösy. Nanohy nampianatre tagny amin'ireo synagogan-dreo Ijy, nitory ny filazantsaran'ny fanjakana, ary nagnasitragna ireo karazan'aretigna abiaby sy ireo faharariana abiaby. 36Laha nahita ireo vahöke Ijy, die nanagna fangoraham-po tamin'ireo, satria niahiahy sy kivy areo. Hötran'ny ondry tsy misy mpiandry areo37Die hoy ijy tamin'ireo mpianany hoe:" Rahabe ny vokatra, fa ireo mpiasa no hamatre. 38Noho ijany mivavaha malaky amin'ny Tompon'ny vokatra, mba andefasany mpiasa eny amin'ny vokatrany.Chapter 10Nangihin'ny Jesôsy niaraka ireo mpianany rômbifolo ary nagnome an'dreo fahefana amin'ny fagnahy maloto, mba handroahana anajy io, sy hagnafaka ny karajagn'aretigna sy karajana faharariana manontolo.
2Ary ito aby ny agnarany Apostoly rômbifolo. Ny vôlohany, Simona (ijay angihina mandy koa hoe Petera), ary Andreo rahalahine; Jakoba janaka lahin'i Zebede, sy Jaona rahalahine; 3Filipo, sy Barteleomy; Tomasy, sy Matio ny mpanangona hetra; Jakoba janakana lahin'i Alfeosy, ary Tadeosy;4 Simona ilay Zelota, ary Jodasy Iskariota, ilay hamadika Anaje.5Nirahin'i Jesôsy ijy rômbifolo. Nanoro andreo Ijy ary nijaka hoe: " Aja mandeha agny amin'ny toerana ijay hitoeran'ny Jentilisa anareo, ary aja miditre amin'ny renivohitry ny samaritana.6 Fa mandeha koja agny amin'ny ondry very amin'ny taranak'Israely;7 Ka laha efa mandeha anareo, die mitoria ary ambarao hoe: 'Efa mariny ny fahatongavan'ny fanjakan'ny lagnitra.'8Afaho ny marary, atsangano ny mate, diovy ny boka, ary roahy ny demonia. Araka ny najahônareo maimaimpôgna, die magnomeja mandy koa maimaimpôgna. 9Aja mitondra volamena, volafotsy, na varahigna ao amin'ny kitapom-bolanareo. 10Aja mitondra kitapom-batsy amin'ijay andehananareo, na fitafy hafa, na kiraro, na tehigna, fa ny mpiasa die mendrika hahajo ny sakafone.11N'ino n'ino tanàn-dehibe na tanàna kely hidiranareo, tadiavo ijay mendrika ao, ary mitoera ao mandra-pelanareo. 12Laha vao miditra ao amin'ny tragno anareo, die miarahabà ny ao. 13Fa laha tsy mendrika koja ijany, die ôka ny fedagnanareo hirotsaka aminareo.14Hôn'ireo ijay tsy mandray anareo na tsy miteno ny jakanareo, die ahintsagno ny vovoka amin'ny tongotrareo, laha efa menga amin'ijany tragno na tanàn-dehibe ijany anareo.15 Lajaiko marina aminareo, fa ho moramora kokoa ny an'ny tanin'i Sodoma sy Gomora amin'ny andro fitsarana noho ijany tanàn-dehibe ijany.16Indro, handefa anareo hôtrany ondry eo ampovôn'ny ambodia Iaho, koa hendre hôtrany ny menaragna ary tsy manan-tsigny hôtran'ny voromailala. 17Mitandrema ny amin'ny olo! Hanolotra anareo eo amin'ny filan-kevitra areo, ary hikapoka anareo ao amin'ny sinagogan'dreo.18 Avy teo die indôsina alohan'ny governora sy ny mpanjaka anareo nohon'ny Aminahe, mba ho vavolombelogna hôn'dreo sy an'ireo Jentilisa.19Laha efa manolotra anareo areo, die aja managna ahiahy ny amin'ny hoe ahôna na ino no ho lajainareo, fa hameno anareo amin'io lera io ijay tokony ho lajaina.20 Fa tsy anareo no hijaka, fa ny Fagnahin'ilay Rainareo no hijaka ao aminareo.21Ny rahalahy die hanolotra ny rahalahy ho amin'ny fahafatesana, ary ny raike die ny janagny. Ny janaka die hitsangagna hanohitra ny ray aman-drenine ka hahatonga ny fahafatesan'dreo.22 Ho halan'ny olo manontolo anareo nohon'ny amin'ny agnarako. Fa n'ija n'ija maharitra hatramin'ny farany, die ho vôvonjy ijany olo ijany. 23Laha efa magnenjika anareo ao amin'io tanàn-dehibe io areo, die nilefa agny amin'ny magnaraka, fa lajaiko marina aminareo, fa tsy hahatapitra ny tanànan'Israely melohan'ny hatongavan'ny Janak'Olo anareo.24Ny mpianatra die tsy lehibe nohon'ny mpampiane, na ny mpanompo hômbony nohon'ny tompone.25 Ampy ho an'ny mpianatra raha tonga hôtrany mpampianany ijy, ary ny mpanompo hôtrany tompone. Laha nangihin'dreo hoe Belzeboba ny tompon'ny tragno, die ho ratsy lavitra hôtran'ino ny anarana hangihan'dreo ny isam-piankohonana!26Noho ijany aja mangoaigna an'dreo, fa tsy hisy takogna ijay tsy hiseho, ary java-miafigna ijay tsy ho fantatra. 27Ijay lajaiko anareo ao amin'ny hejigna, die jakay amin'ny andro majava, ary ijay bitsibitsika regninareo amin'ny sofignareo, die torio egny ambony tampon-tragno.28Aja mangoaigna ireo ijay mamono ny vatagna kanefa tsy afaka mamono ny fagnahy. Fa koja, matahora an'ijay afaka mamotika ny fagnahy sy ny vatagna agny amin'ny helo.29 Moa ve tsy vola madinika kely no hamarotana fody roa? Fa tsy bola nisy na raike amin'ajy io aja lavo amin'ny tany laha tsy misy ny fahalalan'ny Rainareo. 30Fa na ny voron-dohanareo aja vôisa aby. 31Aja matahotra. Manan-danja bebe kokoa noho ny fody maro anareo.32Noho ijany ijay rehetra magneky Anahy eo agnatrehan'ny olo, die ho ekeko mandy koa eo eo agnatrehan'ny Raiko ijay agny an-dagnitra.33 Fa ijay mandà Anahy eo agnatrehan'ny olo koja, die ho laviko mandy koa eo agnatrehan'ny Raiko ijay agny an-dagnitra.34Aja meritreritra fa iaho die tonga hitondra fiadagnana eto an-tany. Tsy tonga mba hitondra fiadagnana Iaho, fa sambatra.35 Fa tonga iaho hagnasaraka ny janaka lahy amin'ny abane, sy ny janaka viavy amin'ny endrine, ary ny vinantovavy amin'ny rafojam-bavine.36 Areo ijay ao antokan-tragnony mandy no ho lasa fahavalon'ny olo.37Ijay tia kokoa ny ray na ny reny mihôtra Anahy, die tsy mendrika Anahy.38 Ijay tsy mandray ny hajofijaliany ka magnaraka Anahy die tsy mendrike Anahy. 39Ijay namonjy ny aigne die hahavery ijane. Fa ijay mahavery ny aigny noho ny aminahy die hahita ijany.40Ijay mandray anareo die mandray Anahy, ary ijay mandray Anahy die mandray ny nagnirake Anahe mandy koa.41 Ijay mandray ny mpaminagny satria mpaminagny ijy die hahajo ny valisoan'ny mpaminagny, ary ijay mandray ny olo-marina satria olo-marina ijy die hahajo ny valisoan'ny olo-marina42N'ija n'ija magnome ny raika amin'io madinika be io, na die rano mangatseke ray kôpy hinomina aja, satria ijy mpianatre, die jakaiko marina aminareo fa, tsy ho vere ny valisoane.Chapter 11
1Ary laha efa avy nampianatre ireo mpianatrany roe ambin'folo Jesôsy, die nienga avy teo Ijy hampianatra sy hitory agny amin'ny tananan'dreo.2 Ary laha efa regnin'i Jaona tao am-ponja ny momba ny asan'ny Kristy, die nandefa hafatra tamin'ny alalan'ny mpianane ijy3 ka nijaka Anajy hoe: "Anao ve ny raika ijay ho avy, sa tokony hiremby hafa ahay?"4Jesôsy namaly ary nijaka andreo hoe: "Mandihana ary jakay amin'i Jaona ijay hitanareo sy regninareo."5 Mahajo fahitana ny jamba, mandihana ny olo maleme, diovina ny boka, maharegny ndraika ny olo maregnina, atsangan-ko velogna ny olo mate, ary anambarana ny vaovao mahafaly ny mahantre.6 Sambatra ijay tsy vignitra noho ny aminahe."7Laha nandeha tegny amin'ny lalagne ireo lelahy ireo, die nanomboka nijaka ny momban'i Jaona tamin'ny vahôka Jesôsy hoe: "Hijaha ino nivoahanareo agny agn'efitra-volotara tsofin'ny rivotre?8 Nefa hijaha ino no nivoahanareo lelahy magnano fitafena lafo vidy? Indro, ireo ijay magnano fitafena lafo vidy die mipetraka ao an-dragnon'ireo mpanjaka.9Nefa hijaha ino no nivoahanareo-mpaminany? Eka, mijaka aminareo Iaho, ary mihôtre lavitra noho ny mpaminagny. 10Ijy ilay ijay vôsoratra hoe: 'Jahao, magniraka ny irakako heloha ny tavanareo Iaho, ijay hagnomagna ny làlanareo meloha anareo.'11Jakaiko marina aminareo, fa amin'ireo ijay natera-biavy die tsy misy lehibe mihôtra noho Jaona mpanao Batisa. Nefa ny olo tsy manan-danja indrindra eo amin'ny fanjakan'ny lagnitre die lehibe noho anaje. 12Nanomboka tamin'ny andron'i Jaona mpagnano batisa ka hatramin'ijao, die miaritra amin'ny herisetra ny fanjakan'ny lagnitre, ary ny olo mahery setra die mangala anajy an-kerine.13Fa ireo mpaminany manontolo sy ny lalàna die efa naminany hatramin''i Jaona; 14ary laha sitrakareo ny hagneky anijane, die Ijy no Elia ilay ho avy. 15Ijay manan-tsofigna hindao-miteno, ôka ijy hiteno.16Amin'ino no tokony hampitoviko itoy taranaka itoy? Ijany die hôtrany jaja milalao egny amin'ny tsena, ijay mipetraka sy mifangaingaike17 ka mijaka hoe: ' Nitsoka sodigna hônareo ahay, fa nandihy anareo. Nagnano hira fisôrana ahay, fa tsy nitomagny anareo.'18Fa Jaona die tsy tonga hihinagna mofo na hinogna divay, ka hoy areo hoe: 'Managna devoly ijy.'19 Ny Janak'Olo die tonga hihinagna sy hisotro ka hoy areo hoe: 'Jahao, lelahy tendan-kanina sy mpagnarandro ijy, akaman'ireo mpamory hetra sy ireo mpanota!' Fa ny fahendrena die vômarigna tamin'ireo asane."20Avy teo Jesôsy nanomboka nijaka mahare ireo tanàna ijay nanôvany ny ankamarôn'ny asany mahagaga, satria tsy nivavaka areo. 21"Loja hônareo, ry Korazina! Loja hônareo, ry Betsaida! Laha natao tagny Tyra sy Sidona ireo asa mahagaga ijay natao teto aminareo, die efa ela no nivavaka tamin'ny lamba fisôrana sy lakevogna areo. 22Nefa mbola ho moramora ny an'ny Tyra sy Sidona amin'ny andron'ny fitsarana mihôtra noho ny anareo.23Anareo, ry Kapernaomy, mihevitra ve anareo fa hasandratra agny an-dagnitre? Tsia, hindao hidigna agny amin'ny helo anareo. Satria laha tagny Sodoma no natao ireo asa mahagaga ijay namboarina teto aminareo,die mbola ho tavela ijany mandrak'ijao.24 Nefa milaja aminareo Iaho fa ho mora kokoa ho an'ny tanin'i Sodoma ny andron'ny fitsarana noho ny hôminareo."25Tamin'ijany fotôgna ijany Jesôsy nijaka hoe: " Midera Anao Iaho, ry Ray, Tompon'ny lagnitra sy ny tane, satria Anao no namony ireo raha ireo tamin'ny hendry sy ny mahalala, ary nagnambara ireo tamin'ireo ijay tsy mahafantatre, hôtrany ireo jaja bitike.26 Eka, ry Ray, satria ijany die nahafinaritre teo amasonao. 27Ny raha manontolo nankinina taminahe die avy amin'ny Raiko; ary tsy misy mahalala ny Janaka hafa-tsy ny Ray ary tsy misy mahafantatra ny Ray hafa-tsy ny Janaka, sy ijay fidian'ny Janaka hagnambarana Anajy.28Mandehana aminaha atoy, anareo manontolo ijay miasa sy mitondra mavesatre, die omeko fegnenana anareo. 29Andôsy ny ziogako ary menara aminahe, fa malemy fagnahy sy manetry tegna am-po Aho, die hahita fitsaharana hôn'ireo fagnahinareo anareo. 30Fa mora ny ziogako ary mevagna ny entako."Chapter 12
1Tamin'ijany fotôgna ijane Jesôsy nienga namakivaky ny tanimbare tamin'ny andro Sabata. Mosaregna ireo mpianatrane ka nanomboke nila salohim-bare die nihinanana ireo. 2Nefa laha hitan'ireo Fariseo ijane, die hoy areo tamin'i Jesôsy hoe: "Jahay, ireo mpianatrao magnano ijay tsy ara-dalàna ny magnano an'aje amin'ny Sabata."3Fa jesôsy nijaka an-dreo hoe: "Mbôla tsy nivakinareo mihitsy ve ny raha namboarin'i Davida, laha te hinagna ijy, sy ireo lelahy abiaby niaraka tamin'aje?4 Niditre tao amin'ny tragnon'Andriamanitra ijy ary nihinagna ny mofon'ny fagnatrehena, ijay tsy ara-dalàna hôn'aje laha hanina ary tsy ara-dalàna hôn'ireo ijay niaraka tamin'aje, nefa ara-dalàna hôn'ny lohan'ny mpisorona rerike mandy.5Tsy mbôla nivakinareo ve ny ao amin'ny lalàna, fa amin'ny sabata ireo mpisorona ao an-tempoly die magnota ny Sabata nefa tsy manan-tsigny? 6Kanefa vorianiako aminareo fa eto ny raike makadiry loholoho ny tempoly.7Laha fantatrareo ny hevitry ny hoe: "Famindram-po no iriko fa tsy sorona,' die tsy nagnameloke ny tsy manan-tsigny anareo.8 Fa ny Janak'olo no tompon'ny Sabata."9Avy teo Jesôsy nienga tao ka niditre tao amin'ny synagogan-dreo. 10Igne, nisy lelahy ijay malemy tàgnana teo. Nagnontany an'i Jesôsy ireo Fariseo, nagnano hoe: "Ara-dalàna ve ny magnasitragnana amin'ny Sabata?" mba hagnelohan-dreo an'Aje amin'ny fahotana.11Hoy Jesôsy tamin-dreo hoe: "Olo ija eo aminareo, ija, laha ondry raike fotsine no anagnane, ka laha latsake agnaty lavake laligna ilay ondry amin'ny Sabata, no tsy hanambotre an'aje ary tsy hampiakatre an'aje?12 Tsy manan-danja mihôtre lavitra, ve, ny olo loholoho ny ondry! Ka noho ijane die ara-dalàna ny magnano soa amin'ny andro Sabata."13Avy teo hoy Jesôsy tamin-dralelahy hoe: "Ampary ny tagnanao." Die namparine ijane, ka nipody ny fahasalamane, hôtrany tagnane ilane. 14Fa nivôke ireo Fariseo ka nitetika ny hamono an'Aje. Nandremby hevitre ny amin'ny mety hamonôna an'Aje areo.15Laha nahalala ijane Jesôsy, die nienga teo Ijy. Olo rahabe no nagnarake an'Aje, ary nositragnine ijy abiaby. 16Die nandidy an-dreo Ijy mba tsy hampahafantatre an'Aje amin'ny hafa, 17mba hahatanterake, ijay efa natoro tamin'ny alàlan'Isaia mpaminany, magnano hoe:18"Jahay, ny mpanompoko ijay nifidiko; ry ilay malalako, ijay sitrakin'ny fagnahiko loholoho. Hatobokako ao amin'ny fagnahiko, ary hagnatoro ny fitsaràna amin'ny Jentilisa ijy.19Tsy hifamaly na hangaike mahare ijy; ary tsy hisy olo haharegny ny feone egne an-dalàgna. 20Tsy hanapake ny volotara torotoro ijy; tsy hamono ijay lahin-jiro magnentogna, mandra-pamboarane ny rarine ho fandresena, 21ary amin'ny agnarane no hanagnan'ireo Jentilisa fagnantenana."22Avy teo nisy olo pôke sy môgna, nitobohan'ny demonia, nindôsina tamin'i Jesôsy teo. Nisitragnine ijy, vokatr'ijane die nijaka sy nahita ilay môgna.23 Jendagna ireo fokon'olo abiaby ka nijaka hoe: "Mety io lelahy io ve no Janak'i Davida?"24Kanefa laha naharegny ijany fahagagana ijane ireo Fariseo, die hoy areo hoe: "Io lelahy io die tsy mamôke demonia laha-tsy amin'ny alàlan'i Beljeboba, lehiben'ny demonia."25 Kanefa fantatr'i Jesôsy ny eritreritran-dreo ka nijaka an-dreo ijy hoe: "Ny fanjakana abiaby miady an-dragno die tsy haharitre, ary ny tanàna na tragno abiaby miady an-dragno die ho rava.26Laha mamôke satana ny satana, die miady an-dragno ijy. Aôna noho ijane no hitsanganan'ny fanjakane? 27Ary laha mamôke ireo demonia amin'ny alàlan'i Beljeboba Iaho, die amin'ny alàlan'ija ijane no androahan'ny janakareo an-dreo? Noho ijane antony ijane die ho mpitsaranao areo.28Kanefa laha mamôke ireo demonia amin'ny alàlan'ny Fagnahin'Andriamanitra Iaho, die efa avy aminareo ny Fanjakan'Andriamanitra.29 Amin'ny fomba aôna no ahafahan'olo miditra ao an-dragnon'ny lelahy mahery ary mangala ireo fanagnane laha tsy hifatorana alohake ilay lelahy mahere? Avy teo hangala ireo fanagnane ao an-dragnone ijy.30 Ijay tsy momba an'Ahe die manohitra an'Ahe, ary ijay tsy mitambatre miaraka amin'Ahe die miparitake.31Noho ijane vorianiko aminareo fa, ho vôvela heloke ny olo amin'ny fahotana sy fijakan-dratsy abiaby, fa ny fijakan-dratsy amin'ny Fanahy Masina die tsy hajahôna famelan-keloke. 32N'ija n'ija mijaka manohitre ny Janak'Olo, die ho vôvela ijy. Fa n'ija n'ija mijaka manohitre ny Fanahy Masina, die tsy ho vôvela ijy, na amin'ijao fiaignana ijao, na amin'ijay ho avy.33Atôvy tsara ny hajo die hisy vône tsara ijane, na atôvy ratsy ny hajo die hisy vône ratsy ijane, fa fantatre amin'ny vône ny hajo.34 Anareo taranaky ny menaragna, satria ratsy fagnahy anareo, ka aôna no afahanareo mijaka raha tsara? Fa avy amin'ny haben'ny ao am-po no ijakan'ny vavane. 35Ny olo tsara avy amin'ny harena tsara ao am-pone die mamokatra ijay tsara, ary ny olon-dratsy avy amin'ny harena ratsy ao am-pone die mamokatre ijay ratsy.36Vorianiko aminareo fa amin'ny andron'ny fitsarana die hagnontaniena amin'ny jaka tsy vôhevitre nivorianine aby ny olo. 37Fa ny jakanao no hagnamarinana anao, ary ny jakanao no hagnamelohana anareo."38Avy teo nisy mpanora-dalàna sy Fariseo sarasaragne namaly an'i Jesôsy ary nijaka hoe: "Ry Mpampianatra, magniry ny hahita famantarana avy aminao ahay." 39Fa namaly Jesôsy ary nijaka an-dreo hoe: "Misy taranake ratsy fagnahy sy mpijangajanga mandremby famantarana. Kanefa tsy misy famantarana omena an'aje afa-tsy ny famantaran'i Jaona mpaminany. 40Fa hôtran'i Jonah ijay telo andro sy telo aligna tao an-trokan'ny trondro makadiry, die ho hôtran'ijay koa no hitobohan'ny janak'olo telo andro sy telo aligna ao agnatin'ny tany.41Ireo olon'i Ninive die hitsangagna eo amin'ny fitsarana miaraka amin'itiky taranaka itiky ary hagnameloke ijane. Fa nibebaka areo tamin'ny toritenin'i Jaonah, ary indro, misy olo makadiry noho jaonah eto.42Ny mpanjakaviavin'ny atsimo die hiara-hitsangagna amin'ireo lelahin'itiky taranaka itiky amin'ny andron'ny fitsarana ary hagnameloke ijane. Tonga avy amin'ny faran'ny tany tany ijy mba hiheno ny fahendren'i Solomona, ary indro, misy olo makadiry noho Solomona eto.43Laha nisy fagnahy ratsy nienga tao amin'ny lelahy raike, die mandalo tany karakaina ijy ary miremby fitsaharana, nefa tsy mahita ijane. 44Ijane die mivoria hoe: "Hipody agny amin'ny tragnoko ijay neviako iaho.' Ary nony avy, die nahita fa vôfafa ny tragno ary nilamigna. 45Avy teo die nandeha ijane ary nitondra fagnahy ratsy fito niaraka tamin'aje ijay ratsy loholoho an'aje, ka niditre nonigna tao ijy abiaby. Avy teo niha-ratsy loholoho ny vôlohane ny fefaran'ijane lelahy ijane. Ary ho hôtran'ijane koa ny amin'itiky taranaka ratsy fagnahy itiky."46Laha mbôla nijaka tamin'ireo fokon'olo Jesôsy, die ireo, iendrine sy ireo rahalahine nitsangagna tagny ivelane, nandremby hivoria amin'aJe. 47Nisy olo raike nijaka tamin'Aje hoe: "Jahay, iendrinao sy ireo rahalahinao mitsangagna ao ivelane, mandremby hivoria aminao."48Fa namaly Jesôsy ary nijaka tamin'ilay nijaka an'Ajy hoe: "Ija iendriko ary ija ireo rahalahiko?"49 Avy teo namparine tamin'ireo mpianatrane ny tagnane ary nijaka hoe: "Jereo, ireto iendriko sy ireo rahalahiko!50 Fa ijay magnano ny sitrapon'Iabako ijay agny an-dagnitre, die ijane olo ijane no rahalahiko, sy ny anakaviko, ary iendriko."Chapter 13
1Tamin'ijane andro ijane Jesôsy nienga nivôka ny tragno ary nitoboke teo amoron'ny ranomasina. 2Nisy fokon'olo rahabe nivorovoro nagnodidigna an'Aje, ka die niditre tao an-sambokely Ijy ary nitoboke tao amin'ijane, laha nitsangagna teo amoron-dranomasina koja ny fokon'olo abiaby.3Avy teo Jesôsy nivoria raha rahabe tamin-dreo tamin'ny alalan'ny fagnoharana. Hoy Ijy hoe: ''Igne,nisy mpamboly raike nienga nivôke hamafy voa. 4Laha ijy namafy igne, die nisy voa saragne latsake tegne amoron-dàlagna, ary avy ireo vorogna ka nihinagna ireo. 5Ireo voa hafa indraike die latsake tegne amin'ny tany be vato, ijay tsy najahôn'ireo nofon-tany tsara. Avy hatragne die nitsiry ireo, satria tsy laligna ny tany. 6Fa laha niposaka ny masoandro, die maigna ireo satria tsy nisy vahane, ary die nalajo.7Nilatsake teo amin'ny tsilo ireo voa hafa. Nitsiry ireo fantsy ary nangeja ajy ireo. 8Ireo voa hafa nilatsake tamin'ny tany tsara ary nisy vône, ny saragne avo jato heny,ny saragne enim-polo, ary ny saragne telo-polo. 9Ijay manan-tadigny, ôka ijy hiheno.''10Avy ireo mpianatra ary nijaka an'i Jesôsy hoe: ''Nagnino Anao no mivoria amin'ireo fokon'olo amin'ny alalan'ny fagnoharana?''11 Namaly Jesôsy ary nijaka an-dreo hoe: ''Anareo no nomena tombone hahalala ireo raha-mivonin'ny fanjakan'ny lagnitre, fa hôn-dreo die tsy nomena ijane. 12Satria n'ija n'ija managna, die ho be loholoho aja ny homena. Fa n'ija n'ija koja tsy managna, na ijay hanagnane aja halaina amin'aje.13Ijane no antone hivorianako amin-dreo amin'ny alalan'ny fagnoharana: Na die mijaha aja areo, die tsy mahita; ary na die miheno aja areo; die tsy maharegny, na mahajo. 14Amin-dreo ny faminanian'Isaia no tanterake, ijay mijaka hoe: ''Laha miheno die haharegny anareo, kanefa tsy hahajo mihitsy; laha mijaha die hahita anareo, kanefa tsy hahatakatre.15Fa nanjary donto ny fon'itiky fokon'olo itiky, ary mafy tadigny areo, ary napin-dreo ny masone, mba tsy hahita amin'ny mason-dreo, na haharegny amin'ny tadignin-dreo, na hahajo amin'ny fon-dreo, ka hibebake indraike areo, ary hagnasitragna an-dreo Iaho.''16Fa sambatre ny masonareo, satria mahita; ary ny tadigninareo, satria maharegny. 17Vorianiko marina aminareo fa mpaminany sy olo-marina rahabe no nagniry ny hahita ireo raha ijay hitanareo, kanefa tsy nahita an'ireo. Nagniry ny haharegny ireo raha ijay regninareo areo, kanefa tsy naharegny an'ireo.18Ka mihenoa ary ny fagnoharana ny amin'ny mpamboly raike ijay namafy ny vône. 19Laha misy maharegny ny jakan'ny fanjakana kanefa tsy mahajo ijane, die avy ilay ratsy ary nagnongotre ijay nafafy tao am-pone. Io ilay voa nafafy tegne amoron-dàlagna.20Ilay nafafy tegne amin'ny tany be vato die ny olo ijay maharegny ny jaka ary avy hatragny die mandray an'ajy am-pifaliena, 21kanefa tsy mbola miorim-paka ao agnatine ijy ary die maharitre vetivety mandy. Laha avy ny fahoriana na ny fagninjehana nohon'ny amin'ny jaka, die malaky tafatohigna ijy.22Ilay nafafy tegne amin'ny fantsy, io die ny olo ijay maharegny ny jaka, kanefa ny fiahiahian'ijao tontolo ijao sy ny fitaky ny harena no mangeja ny jaka, ary die nanjary tsy mamoy ijy. 23Ilay nafafy teo amin'ny tany tsara, io ny olo ijay maharegny ny jaka ary mahajo ijane. Mamoy vônkajo ijy ary mahalasa ny voa raike, hagnome avo jato heny mihôtra ijay nambolena, ny saragne enim-polo, ny saragne, avo telo-polo heny.''24Nagnaseho fagnoharana raike hafa tamin-dreo Jesôsy. Hoy Ijy hoe: ''Ny fanjakan'ny lagnitre die hôtran'ny lelahy raike ijay namafy ny voa tsara tao amin'ny sahane. 25Fa laha natory igne ny olo, die avy ny fahavalone ary namafy vôn-tsiparifary mandy koa tao amin'ireo vary ary nienga.26 Laha nitsiry ireo vary ary avy teo namokatre ireo vône, die nipoitre mandy koa ireo vôn-tsiparifary.27Avy ireo mpanompon'ny tompon-tany ary nijaka tamin'ajy hoe: ''Tompoko, tsy namafy voa tsara tao amin'ny sahanao ve anao? Nagnino ijy amin'ijao fotôgna ijao no misy vôn-tsiparifary?'' 28Hoy ijy tamin-dreo hoe: ''Nisy fahavalo nagnano ijane.'' Hoy ireo mpanompo tamin'ajy hoe: ''Ka tianao ve ny handihananay magnongotre ajy ireo?''29Ilay tompon-tany nijaka hoe: ''Tsiare. Satria laha magnongotre ireo tsimparifary anareo, die mety hagnongotre ny vahan'ireo vary miaraka amin'ireo koa. 30Abilay hiara-haniry ijy roe hatramin'ny filejana. Amin'ny fotôm-pambilejana die hijaka amin'ny mpambely iaho hoe: ''Alay alohake ireo ahi-dratsy ary fihejo ho fehy maromaro mba hagnorôna ajy ireo, fa avorio ao amin'ny tragnambo koja ireo vary.''31Avy teo Jesôsy nagnaseho fagnoharana raike hafa tamin-dreo. Hoy Ijy hoe: ''Ny fanjakan'ny lagnitre die hôtran'ny vôntsinapy ijay nalain'ny lelahy raike ary nafafine teo amin'ny sahane. 32Io voa io tokôtre no voa kitike indrindra amin'ny voa hafa abiaby. Fa laha nitsiry ijane, die makadiry noho ireo raha-mitsiry ao amin'ny saha. Nanjary hajo ijane, mba hevian'ireo vorognan'ny habakabake ary hagnano ny tragnon-dreo eo amin'ireo rantsagne.''33Avy teo Jesôsy nivoria fagnoharana raike hafa. ''Ny fanjakan'ny lagnitre die hôtran'ny lalovay ijay nalain'ny viavy raike ary nafangarone tamina lafarinina intelo fagnaranana mandra-piakatry ny foto-koba manontolo.''34Fagnoharana no nagnambaran'i Jesôsy ireo raha-abiaby ireo tamin'ny fokon'olo; ary tsy nivoria n'ino n'ino tamin-dreo hafa-tsy tamin'ny fagnoharana Ijy. 35Ijane die mba hahatanteraka ijay nijakaina tamin'ny alalan'ny mpaminany, laha nijaka Ijy hoe: ''Iaho die hilô-bava amin'ny alalan'ny fagnoharana. Hijaka raha ijay navony hatr'ijay namorognana ijao tontolo ijao Iaho.''36Avy teo Jesôsy nandao ireo fokon'olo ary negnao an-dragno. Negneo amin'Ajy ireo mpianatrane ary nijaka hoe: ''Ajavay aminay ny fagnoharana mahakasika ilay tsimparifarin'ny saha.'' 37Namaly Jesôsy ary nijaka hoe: ''Ilay namafy voa tsara die ny Janak'Olo. 38Ny saha die ijao tontolo ijao; ary ny voa tsara, ireo no janaky ny fanjakana. Ny tsimparifary die ireo janak'ilay ratsy, 39ary ny fahavalo ijay namafy ajy ireo die ny devoly. Ny fambilejana die ny fefaran'ijao tontolo ijao, ary ny mpambely die ireo anjely.40Noho ijane, hôtran'ny amoriana sy agnorôna ireo tsimparifary amin'ny afo, no amboarina koa amin'ny fefaran'ijao tontolo ijao.41 Hagnirake ireo anjeline ny Janak'Olo, ary havorin-dreo hiala amin'ny fanjakane ireo raha abiaby ijay mahatonga fahotana, sy ireo ijay magnano ratsy.42 Hatilin-dreo ao amin'ny lafôro makadiry mirehitra afo areo, ijay hisy fitomagniana sy fikotroha-nify. 43Avy teo hamiratre hôtran'ny masoandro ao amin'ny fanjakan'Iaban-dreo ny olo-marina. Ijay manan-tadigny, ôka ijy hiheno.44Ny fanjakan'ny lagnitre die hôtran'ny harena ijay misitrike ao amin'ny saha raike. Nisy lelahy nahita ijany ary nasitrikane. Nandeha tamin'ny hafaliana ijy, nivarotre ijay abiaby nanagnane, ary nividy io saha io. 45Ary koa, ny fanjakan'ny lagnitre die hôtran'ny lelahy ijay mpivarotre mandremby voangy lafo vidy. 46Laha nahita voangy raike ijay tena lafo vidy ijy, die nienga ka nivarotre ijay abiaby nanagnane ka nividy ijane.47Ary koa, ny fanjakan'ny lagnitre die hôtran'ny harato ijay natily tagne an-dranomasina, ary nagnavory ireo karajan-draha-managn'aigna abiaby. 48Laha feno ijany, die nisintognin'ireo mpagnarato ho eo amoron-dranomasina. Avy teo areo nitoboke ka nagnavory ireo raha tsara ho ao amin'ny toerane, fa ireo raha tsy ilaina koja narian-dreo.49Ho hôtran'ijane amin'ny fefaran'ijao tontolo ijao. Ho avy ireo anjely ary hagnasarake ireo ratsy fagnahy amin'ireo marina. 50Hatilin-dreo ao amin'ny fandorôna makadiry mirehitra afo areo, ijay hisy fitomagniana sy fikotroha-nify.51Ajonareo ve ijany raha abiaby ijane? Hoy ireo mpianatrane tamin'Ajy hoe: ''Ieka''. 52Avy teo Jesôsy nijaka tamin-dreo hoe: ''Noho ijane ny mpanora-dalàna abiaby ijay nanjary mpianatre eo amin'ny fanjakan'ny lagnitre die hôtran'ny lelahy tompon-tragno raike, ijay mamoaka ireo raha hambo sy ireo raha vaovao avy ao amin'ny harenane.'' 53Avy teo laha nahavita ireo fagnoharana ireo Jesôsy, die nienga tamin'ijane toerana ijane Ijy.54Avy teo Jesôsy niditre tao amin'ny tanine manokagna ary nampianatre ireo fokon'olo tao amin'ny synagogan-dreo. Vokatr'ijane die varegna areo ary nijaka hoe: ''Avy aja no ajahôn'itiky lelahy itiky ny fahendrena sy ireo fahajendagnana ireo? 55Tsy io lelahy io ve no janak'ilay mpandrafitre? Tsy Maria ve no angehana an'iendrine? Tsy Jakoba, Josefa, Simona, ary Jodasy ve ny rahalahine? 56Tsy miaraka amintsena ve ireo anakavine abiaby? Avy aja no najahône ireo raha abiaby ireo?57Tohigna nohon'ny amin'Aje areo. Fa hoy Jesôsy tamin-dreo hoe: ''Tsy misy mpaminany tsy misy hajane laha tsy ao amin'ny fireneny sy ao amin'ny havane mandy.'' 58Tsy die nagnano fahajendagnana be tao Ijy nohon'ny tsy finoan-dreo.Chapter 14
1Tamin'ijay fotoana izay, Heroda mpanapaka naharegny ny vaovao momba an'i Jesôsy. 2Hoy ijy tamin'dreo mpanompony hoe: ''I Jaona mpanao batisa ijany; nitsangana tamin'ny maty ijy. Noho ijany die miasa ao aminajy ireo hery reo.''3Fa Heroda nanambotre an'i Jaona, namatotra ajy, die nandefa ajy tany an-mezigna noho i Herodiasy, vadin'i Filipo ralahiny. 4Fa hoy Jaona taminajy hoe: ''Tsy ara-dalana ho anao ny manana ajy ho vadinao.'' 5Nikady ny hamano anajy Heroda, feny nangoaigna an'ny fokonolo ijy, satria niresin-dreo hôtran'ny mpaminany ijy.6Fa rehefa tonga ny fiveregnan'ny andro nahaterahan'i Heroda, die nandihy teo afovôn'ny vahiny nasaina ny janaka vavin'i Herodiasy ka nahafinaritra an'i Heroda.7 Ho setrin'ijany, die nampagnategna tamin'ny fiainanana ijy ny hagnome ijay hangatahiny na ino na ino.8Rehefa avy notoroan'ny endriny marika, die hoy ijy hoe: ''Omeo anahy eto, ambonin'ny lovia, ny lohan'i Jaona mpanao Batisa.''9 Nalahelo mafy nohon'ny fangatahany ny mpanjaka, feny nohon'ny voadiny sy noho areo manontolo nihinana niaraka taminajy, die nagnome beko ijy fa tokony ho vita ijane.10Nagnirake ka nanapake ny lohan'i Jaona tao an-tragnomezigna ijy.11 Avy eo nindôsina tamin'ny lovia ny lohane die nomena ny jajavavy die nindôsine teo amin'ny endrine ijany. Avy eo die tonga ny'mpianane,12 nangala ny'fate, die nandevigna ijany. Tafaran'ijany, die nandeha areo die nilaza tamin'i Jesôsy.13Die rehefa naharegny ijany Jesôsy, die nenga avy teo tamina sambokely raike ijy hegnany amina toerana mitokana raike. Rehefa naharegny anijany ny fokonolo , die nagnarake Anajy an-tongotre avy tagny amin'ny tanàn-dehibe. 14Avy eo Jesôsy nendeha anatrehan'dreo die nahita ny fokonolo rahabe. Nangoraka andreo Ijy die nagnafake ny aretin'dreo.15Rehefa tonga ny hariva, die nandeha aminaje ny mpianatre die nijaka hoe: ''Ity die toerana fôgna, die efa tapitre sahady ny andro. Alefao ny fokonolo, mba hahafan'dreo mandeha agny amin'ny tanàna die hivanga hanina ho an'ny tegnan'dreo.''16Fa Jesôsy nijaka andreo hoe: ''Tsy mila mandeha lavitre areo. Omenareo raha hanina areo.'' 17Hoy andreo tamanajy hoe: ''Mofo dimy sy hazandrano roa mandy no agnananay eto.'' 18Hoy Jesôsy hoe: ''Indôsy aty aminahy ijany.''19Avy eo Jesôsy nibaiko ny fokonolo mba hidoboke eo amin'ny ahitre. Nalainy ny mofo dimy sy hazandrano roa. Niandrandra tany an-dagnitre, die nisaotre Ijy dia nanapake ny mofo ko nomeny ny mpianantre, die ny mpianatra nagnome ijany ho an'ny fokonolo.20 Nihinagna aby ijy manontolo die voky. Avy eo die navorin'dreo ny sisan'ny poti-kanina ka nahafeno roambinifolo tanty.21 Teo amin'ny dimy arivo lahy teo ny nihinana, ankôtre ny zaza amam-bevavy.22Tonga die nampadihanine nenga amin'ny sambokely die handeha heloha Anajy ho egny ampita ny mpianany, raha mbola nandefa ny fokonolo Ijy. 23Tafaran'ny nandefasane ny fokonolo, die nandeha niakatre tegny an- tendrombohitre rerike Ijy mba hivavake. Rehefa tonga ny hariva, die irerike teo Ijy.24 Die ny sambo die efa dikatre lavitra ny tanety, natopatopakan'ny onja, satria nitsoka nanohitre andreo ny rivotre.25Tamin'ny fiambenana fahefatr'alina die nagnotogna andreo Jesôsy, nandeha tegny ambony ronomasina. 26Rehefa nahita Ajy nandeha tegny ambony ranomasina ny mpianatra, die nangoaigna ka nijaka hoe: ''Angatre io,''ary die kokoke tamin'ny fahangoaignana areo. 27Fa Jesôsy tonga die nijaka tamin'dreo hoe: ''Mahereza! Iaho toy! Aja mangoaigna.''28Namaly Anaje Petera ka nijaka hoe: ''Tompo, laha Anao io, dia atôvy magnatogna Anao egny ambonin'ny raho iaho.'' 29Hoy Jesôsy hoe:"Magnatogna" Koa die niala avy tao amin'ny sambokely Petera die nandeha teo ambony rano mba hanatona an'i Jesôsy.30 Fa rehefa nahita ny rivotra Petera, die lasa nangoaigna. Raha iny ijy nanomboka nilentika iny, die nikoke mafy ijy sady nijaka hoe: ''Tompo vonjeo iaho!''31Tonga die nagnapatre ny tànany, Jesôsy nitajogna an'i Petera, die nijaka taminajy hoe: ''Anao ry kely finoana, fa magnino anao no niahiahy?''32 Avy eo Jesôsy sy Petera nandeha nihazo ny sambokely, nijonona nitsoka ny rivotra.33 Avy eo ny mpianatre tao agnaty sambokely nidera an'i Jesôsy die nijaka hoe: ''Anao tegnane no Janak'Andriamanitre.''34Rehefa avy nempita areo, die to ga tegny an-tanety tao Genesareta. 35Rehefa nahafantatre an'i Jesôsy ny lelahy tao amin'ijany toerana ijany, die nandefa hafatre tegny amin'ny faritra magnodidigna aby, die nindôsin'dreo teo Aminajy ijay olona narary manontolo. 36Nitalaho Taminajy andreo mba hahafan'dreo mikasika ny moron'akanjony fotsiny mandy, die rahabe areo nikasika ijany ka nahafake.Chapter 15
1Avy teo nisy Fariseo sy mpanora-dalàna sarasaragne avy agne Jerosalema nagnantogna an'i Jesôsy. Hoy areo hoe:2 ''Nagnino ireo mpianatrao no tsy magnarake ny fomban-drajagn'ireo jok'olo? Fa tsy manasa ny tagnane areo alohakan'ny hihinagna.''3 Namaly Ijy ary nijaka tamin-dreo hoe: ''Ka nagnino ary anareo no tsy magnarake ny lalàn'Andriamanitra nohon'ny fomban-drajagnareo?4Fa Andriamanitra nijaka hoe: ''Hajay iabanao sy iendrinao'' ary ''Ijay miteny ratsy an'iabane na iendrine, die ho faty tokôtre.''5 Fa anareo mijaka hoe: ''N'ija n'ija mivoria amin'iabane na iendrine hoe: ''N'ino n'ino fagnampiena ijay ajonareo avy amin'ahe die fagnomejana hôn'Andriamanitra amin'ijao fotôgna,'' 6ijane olo ijane die tsy mila magnaja an'iabane. Amin'ijane fomba ijane die nifoagnanareo ny jakan'Andriamanitra noho ny tombotsoan'ireo fomban-drajagnareo.7Ry mpetsaravelatsihy! Marina ny faminanian'Isaia mahakasika anareo laha nivoria ijy hoe:8 ''Itiky fokon'olo itiky die magnaja an'ahe amin'ny molotran-dreo, fa ny fon-dreo die lavitra an'ahe. 9Tsy misy dikane ny fiderana an'ahe, satria areo die mampianatre ny didin'olombelogna hôtran'ny fampenaran-dreo.''10Avy teo nangaike ny fokon'olo hômin'Ajy eo Ijy ary nijaka tamin-dreo hoe: ''Mitenoa ka majahoa- 11Tsy ny miditre ao am-bavan'olo no mandoto ny olo. Fa koja, ijay avôkan'ny vava, no mandoto ny olo.''12Avy teo nagnantogna ireo mpianatre ary nijaka tamin'i Jesôsy hoe: ''Moa ve fantatrao fa tohigna ireo Fariseo laha naharegny ijane jaka ijane?'' 13Jesôsy namaly ka nijaka hoe: ''Ireo raha-mitsiry ijay tsy nambolen'Iabako agne an-dagnitre die hifongorina aby. 14Abilay areo ho eo, areo die mpitarika jamba. Laha misy olo pôke raike mitarike pôke raike hafa, die samby hivarigna an-davake ijy roe.''15Petera namaly ka nijaka tamin'i Jesôsy hoe: ''Ajavay aminay ijane fagnoharana ijane.''16 Hoy Jesôsy hoe: ''Tsy manam- pahalalana mandy koa ve anareo?''17 Tsy hitanao ve fa ijay miditre amin'ny vava die megnao an- troke ary avy teo die havôke agne amin'ny kabone?18Fa ireo raha ijay avôkan'ny vava die avy amin'ny fo. Ireo raha ireo no mandoto ny olo raike. 19Fa avy amin'ny fo no ivoahan'ny sain-dratsy, ny von'olo, ny fijangajangana, ny fangalam-badin'olo, ny halatre, ny fijorôna vavolombelogna tsy marina, ary ny fijakàn-dratsy. 20Ireo raha ireo no mandoto ny olo raike. Fa ny mihinagna amin'ny tagnana tsy misasa die tsy mandoto ny olo raike.''21Avy teo Jesôsy nienga teo ka nipody tagne amin'ny faritanin'i Tyro sy Sidona. 22Igne, nisy viavy Kananita raike avy amin'ijane faritra ijane. Nangaike mahare ijy ary nijaka hoe: ''Mamindrà fo amin'ahe, ry Tompo, Janak'i Davida ô! Ny janako viave die ampijalin'ny demonia mahare.'' 23Fa Jesôsy tsy namaly jaka an'aje. Nagnantogna ireo mpianatrane ka nengavy tamin'Aje, nagnano hoe: ''Roahy Ijy, fa mandregnina mahare amintsena.''24Fa Jesôsy namaly ary nijaka hoe: ''Tsy nirahina hôn'ija na ija Iaho afa- tsy hôn'ny ondry very ao amin'ny fianakavian'Israely.''25 Fa avy nangatake sy nenkohoke tamin'Ajy teo ijy, nagnano hoe: ''Tompo, vonjeo iaho.''26 Namaly Ijy ka nagnano hoe: ''Tsy rarine laha alaina ny mofon- jaja ka atily hôn'ny amboa.''27Fa hoy ijy hoe: ''Ieke, Tompo, fa na die ny amboa aja mba mihinagna ijay potipotikane latsake avy amin'ny latabatry ny tompone.''28 Die namaly Jesôsy ary nijaka tamin'aje hoe: ''Raviave, makadiry ny finônao; ho tanteraka aminao anie ijane araka ijay irinao.'' Die nahafake ny janagne viave tamin'ijane lera ijane.29Nienga teo Jesôsy ka negnegne akekin'ny ranomasin'ny Galilia. Avy teo die nagnanike tegne an- tendrombohitra raike Ijy ka nitoboke teo. 30Fokon'olo rahabe no nagnantogna an'Aje. Nindôsin- dreo miaraka tamin-dreo ny mandringa, ny pôke, ny môgna, ny kilemaina, ary ny marary rahabe hafa koa. Natobokan-dreo teo an- tongotr'i Jesôsy ireo; ka die nitsaboine.31 Ka die varegna ny fokon'olo laha nahita ireo môgna mijaka, ny kilemaina sitragna, ny malemy afake mandeha, ary ny pôke mahita. Nankalaja ny Andriamanitr'Israely areo.32Nangaike ireo mpianatrane mba hagnantogna an'Aje Jesôsy ary nijaka hoe: ''Malahelo ireo fokon'olo Iaho, satria efa telo andro sahady areo no nitoboke niaraka tamin'Ahe nefa tsy manan- kohanina. Tsy te hampenga an-dreo tsy mihinagna Iaho, sôde mety ho toragna egne an-dàlagna egne.'' 33Hoy ireo mpianatre tamin'Aje hoe: ''Aja no hahitanay mofo sahaja sy ampy ireo fokon'olo rahabe ireo atiky agn'efitre?'' 34Hoy Jesôsy tamin- dreo hoe: ''Mofo firy ny agne aminareo? Ary hoy areo hoe: ''Fito, sy trondro madinike vitsy.''35 Avy teo Jesôsy nijaka ny fokon'olo mba hitoboke amin'ny tany.36Nandray ny mofo fito niaraka amin'ny trondro Ijy, ary laha nisaotre, die nanilake ny mofo ka nagnome ireo hôn'ireo mpianatre. Ireo mpianatre nagnome hôn'ny fokon'olo. 37Nihinagna ka afa- po ny fokon'olo abiaby. Avy teo areo namory tanty fito feno potipotikane ijay tsy lany. 38Ireo ijay nihinagna die efatr'arivo lahy, tsy ao agnatine ny jaja sy ny viave. 39Avy teo Jesôsy nampody ny fokon'olo ka niondragna an-sambokely ary die negnagne amin'ny faritr'i Magadana.Chapter 16
1Avy ireo Fariseo sy Sadoseo ary nitsapa an'Ajy ka nangatake an'Ajy mba hagnabôke an'ajy ireo famantarana avy any an-dagnitra.2 Fa ijy namaly ary nijaka an-dreo hoe:" Laha tsondrogn'andro, die hoy anareo hoe: 'Ho tsara ny andro, fa mena ny lagnitre.'3Laha maraigna, die hoy anareo hoe:' Ho ratsy ny andro, fa mena sy manjombogna ny lagnitre.' Hainareo ny mamantatre ny endriky ny lagnitre, fa anareo tsy afaka mandika ireo famantarana ny fotôgna. 4Ny taranaka ratsy sy mpijangajanga die mandrembe famantarana, fa tsy hisy famantarana homena an'ajy ankôtre ny famantaran'i Jôna.'' Avy eo Jesôsy nandao an-dreo ka lasa.5Laha avy tegny agnilany ireo mpianatre die tsy tsaroan-dreo ny nitondra mofo. 6Hoy Jesôsy tamin-dreo hoe:'' Miambena ary mitandrema amin'ny masirasiran'ireo Fariseo sy Sadoseo.''7 Niady hevitra ireo mpianatra ka nijaka hoe:'' Noho an-tsena tsy nitondra mofo ijany''. 8Jesôsy nahafantatra an'ijany ka nijaka hoe:'' Anareo ry kely finôna, nahôna anareo no miady hevitra aminareo ka nijaka fa nohon'ny tsy nitondranareo mofo ijany?9Mbola tsy fantatrareo na tsaroanareo ve ny mofo dimy ho an'ny dimy arivo, ary tanty firy no navorinareo? 10Na ireo mofo fito ho an'ireo efatr'arivo, ary tanty firy no nalainareo?11Ahôna no tsy ajahoanareo fa tsy momban'ny mofo no nojakaiko anareo? Miambena ary mitandrema amin'ny masirasiran'ireo Fariseo sy Sadoseo.'' 12Avy eo ajon-dreo fa tsy hitandrigna amin'ny masirasiran'ny mofo no nojakainy an-dreo, fa hitandrigna ny amin'ny fampianaran'ireo Fariseo sy Sadoseo.13Ary laha avy tagny amin'ny faritre akekin'ny Kaisaria-Filipo Jesôsy, die nagnotany ireo mpianany Ijy, magnano hoe:'' Ataon'ny olo ho ija moa ny Janak'Olo?'' Hoy areo hoe:'' 14Ny saragny milaja fa Jaona mpanao batisa; ny saragne, Elia; ary ireo hafa, Jeremia, na raike amin'ireo mpaminany.''15 Hoy Ijy tamin-dreo hoe:'' Fa anareo koja manao an'ahy ho ija?16 Namaly, Simona Petera nagnano hoe:'' Anao no Kristy, Janak'ilay Andriamanitra velogna.''17Namaly Jesôsy ka nagnano tamin'ajy hoe:'' Sambatra anao, ry Simona Bar-Jona, fa tsy nofo sy ra no naneho ijany taminao, fa ny Abako ijay any an-dagnitra. 18Jakaiko aminao mandy koa fa anao no Petera, ary ambonin'ity vatolampy ity no hagnorenako ny fiangonako. Ny vavahadin'ny fasana die tsy haharesy ijany.19Homeko anareo ny fanalahidin'ny fanjakan'ny lagnitra. N'ino na ino fihejinao eto ambonin'ny tany die ho fihejina agny an-dagnitra, ary n'ino na ino vahanao ety an-tany die ho vahana any an-dagnitra.'' 20Avy eo Jesôsy nandidy ireo mpianatra fa areo die tsy tokony hilaja na amin'ija na amin'ija fa Ijy no Kristy.21Tamin'ijany fotôgna ijany Jesôsy nanomboke nijaka ireo mpianany fa tsy mentsy ho any Jerosalema Ijy, hizaka fijaliana rahabe eo an-tanan'ny loholona sy ny lohan'ny mpisorona ary ireo mpanora-dalàna, ho vonoina, sy hatsangagna indraike amin'ny andro fahatelo. 22Avy eo Petera nangala an'Ajy ka nijaka mahare an'Ajy, nagnano hoe:" Ho lavitre anao anie ijany, ry Tompo; tsy hitranga aminao mihintsy anie ijany.''23 Fa Jesôsy nitodike ka nijaka tamin'ny Petyera hoe:" Mialà agny ivohoko, ry satana! Anao die fanafintohinana ho an'Ahy, noho anao tsy miraharaha ireo rahan'Andriamanitra, fa ireo rahan'ny olo''.24Avy eo Jesôsy nijaka tamin'ireo mpianany hoe:"Laha misy te-hagnaraka an'ahe, die tsy mentsy mandà ny tegnany ijy, hitondra ny hajofijaliany, ary magnaraka an'ahe. 25Fa na ija na ija te-hamonjy ny ainy die hahavere an'ajy, ary na ija na ija no hahavere ny ainy nohon'ny amin'ahe, die hahajo ijany. 26Fa ino moa no soa ho ajon'ny olo laha mahajo ijao tontolo ijao kanefa very ny aigny? Ino no omen'ny olo ho takalon'ny aigny?27Fa ny Janak'olo die ho avy amin'ny voninahitry ny Rainy miaraka amin'ireo anjeliny. Avy eo Ijy hamaly soa ny olo kiraidraike araka ijay vitany. 28Jakaiko marina aminareo, fa misy saragne aminareo ijay mijoro eto no tsy hitsapa ny fahafatesana mandrapahitan-dreo ny Janak'Olo tonga amin'ny fanjakany.''Chapter 17
1Enin'andro tatoy afara Jesösy die nangala an'i Petera, jakoba, sy Jaona rahalahiny niaraka tamin'ajy, ary nitondra an-dreo niakatra ny tendrombohitra avo tamin'ny tenan-dreo. 2Niova tarehy teo alohan-dreo Ijy. Namiratre hötran'ny masoandro ny tarehiny, ary ireo raha itafiany lasa namiratra hötran'ny hajavana.3Indro, niboke tamin-dreo Mosesy sy Elia nivoria tamin'ajy. 4Namaly Petera ary nagnano tamin'ny Jesösy hoe:" Tompo, tsara amintsena ny eto. Laha sitrakao, dia hagnano fialofana telo ho antsena eto iaho- raike ho anao, raike ho an'i Mosesy, ary raike ho an'i elia."5Laha mbola nijaka Ijy, Indro, nisy rahona majava nanarogna an-dreo, ary indro, nisy feo nivöke avy tao amin'ny rahogna, nagnano hoe:" Ity ny janako malalako, ijay sitrako tokötre. Tenoy Ijy." 6laha regnin'ireo mpianatra ijany, die lavo areo ary natahotre mafy. 7Avy eo avy Jesösy ary nikasika an-dreo ka nijaka hoe:'' Mitsangana ary aja matahotra." 8Avy eo die nijaha ambony areo fa tsy nahita na ija na ija afa-tsy Jesösy irery mandy.9Laha nijotso ny tendrombohitre areo, die nandidy an-dreo Jesösy, nagnano hoe: '' Aja mitatitra ijao na amin'ija na ija mandra-pitsangan'ny Janak'Olo amin'ny maty."10 Nagnotany an'Ajy ireo mpianany, nagnano hoe:" Nahöna ary ireo mpanora-dalàna no milaja fa elia die tsy maintsy ho avy aloha?"11Jesösy namaly ary nijaka hoe:" Elia die ho avy tokötre ary hamerigna amin'ny löniny ny raha abiaby. 12Nefa jakaiko aminareo, fa efa tonga Elia, fa areo tsy nahafantatre an'Ajy. Mifanohitre amin'ijany, nagnano ny raha abiaby ijay tiany natao tamin'ajy areo. Ary hötran'ijany mandy ko, ny Janak'Olo mandy koa die hijaly eo an-tanan-dreo. 13Avy eo die ajon-dreo mpianatra fa nijaka tamin-dreo ny momba an'i Jaona mpanao Batisa Ijy.14Laha tonga teo amin'ny vahöke areo, die nisy lelahy raike nagnatona an'Ajy, nandohalike teo alohany, ary nijaka hoe,15 ''Tompo, manàgna famindram-po amin'ny janako lahy, fa voan'ny androbe ijy ary mijaly mahare. Fa lavolavo matetike any agnaty afo na rano ijy. 16Nitondra an'ajy teo amin'ireo mpianatrao iaho, fa tsy afake nagnasitragna an'ajy areo.''17Namaly Jesösy ary nijaka hoe:" Ry taranaka tsy mpino sy simba toetra, mandra-pahoviana no tokony hipetrahako miaraka aminareo? Mandra-pahoviana no tsy maintsy ijakako miaraka aminareo? Indösy eto amin'Ahy ijy."18 Nijaka mahare ny demonia Jesösy, ka nivöke tamin'ajy ijany ary die sitragna tamin'ijany ora ijany ilay jajalahy.19Die nagnatona an'i Jesösy mangingina ireo mpianatra ary nagnano hoe:" Magninona no tsy nahefa namoake an'igny ahay?" 20Jesösy nijaka an-dreo hoe:" Noho ny finöna kelinareo. Fa jakaiko marina aminareo, laha managna finöna na die bitike hötrin'ny vötsinampy aja anareo, die afaka mijaka amin'ity tendrombohitra ity anareo hoe: " Mifindrà avy eto ho etsy," die hifindra ijany ary tsy hisy n'ino n'ino tsy ho hainareo atao. 21[Fagnamarihana: Ny dikan-teny taloha tsara indrindra die tsy ahitana ny hoe v.21.'' Fa itoy karajagna demonia itoy die tsy mivöke laha tsy miaraka amin'ny vavaka sy fifadian-kanina."]22Laha nipetrake tagny Galilia areo, die hoy Jesösy tamin-dreo mpianany hoe:' Ny Janak'Olo die hatolotre eo an-tagnan'ny olo,23 ary areo hamono an'Ajy, ary ny andro fahatelo die hatsangagna Ijy." Lasa nalahelo tanterake ireo mpianatre.24Laha tonga tagny Kapernaomy areo die nenga eo amin'ny Petera ireo lelahy ijay nagnangona ny hetra antsasaky ny sekely ary nijaka hoe:" Tsy mandoa hetra antsasaky ny sekely ve ny mpampianatrareo?"25 Hoy ijy hoe: '' ieke." Fa laha niditre tao an-dragno Petera, die Jesösy aloha no nivoria tamin'ajy ka nagnano hoe:" Ino no eritreritrao, ry Simona? Ireo mpanjaka eto an-tany, avy amin'ija no andresan-dreo hetra na hetran'olo? Avy amin'ireo vahöhany ve sa avy amin'ireo vahiny ?"26Laha nijaka Petera hoe:" Avy amin'ireo vahiny,'' die hoy Jesösy tamin'ajy hoe:" Die afaka amin'ny fandoavana ijany ireo vahöke.27 Fa mba tsy hampanotantsena ny mpamory hetra, die mandehana any amin'ny ranomasina, manipaja vintagna, ary alay ny laoke ijay miakatre völohany. Laha vösokatrao ny vavany, die hahita sekely anao. Alay ijany ary omeo ireo mpamory hetra ho an'ahy sy ho anao.''Chapter 18
1Tamin'ijany fotôgna ijany mandy die tonga teo amin'ny Jesôsy ny mpianane ary nijaka hoe: "Ija no lehibe indrindra agny amin'ny fanjakan'ny lagnitra?"2 Jesôsy nagnatso jaja kele ho eo aminaje, nametraka anajy teo amin'dreo,3 ary nijaka hoe: "Lajaiko marina aminareo, fa laha tsy miova hôtran'ny jaja kely anareo, die tsy hisy hevitra ny hidiranareo agny amin'ny fanjakan'ny lagnitra.4Noho ijany, n'ija n'ija manetry tegna hôtran'itoy jaja kely itoy die lehibe indrindra ijy amin'ny lagnitra.5 N'ija n'ija mandray jaja kely hôtran'ijao amin'ny agnarako die mandray Anahy. 6Fa n'ija n'ija mahatonga raike amin'ny jaja madinika ito ijay mino Anahy hanota, die ho tsara kokoa hôn'aje ny hiantognan'ny fikosoham-bary lehibe ao amin'ny vojogne. Ka halentika agny anaty ranomasina laligna ijy.7Koja hoan'ijay tontolo ijao nohon'ny fotôgnan'ny fagnafitohinana! Fa ilaina ny fahatongavan'ijany, nefa loja hoan'ny olo ijay nevien'ny fotôgna ijany!8 Laha miteraka fanafitohinana hônao ny tagnanao na ny tongotrao, die tapaho ijany ary alay teo aminao. Tsara loholoho hônao miditra kilemaina na mandringa agny amin'ny fiaignana mandrakijay nohon'ny ho very agny amin'ny afo tsy mety maty amin'ny fagnanana tagnana roe na tongotra roe.9Laha miteraka fanafitohignana hônao ny masonao raike, ingoty ijany ary alay teo aminao. Tsara loholoho aminao ny miditra agny amin'ny fiaignana mandrakijay miaraka amin'ny maso ila noho ny hoe ho very agny amin'ny afo tsy mety maty miaraka amin'ny maso roe.10Tandremo tsy hanao tsinotsinona ny jaja madinika io anareo. Fa milaja aminareo Iaho fa agny an-dagnitra ny anjeline die mijaha fehijay ny endriky ny Raiko ijay agny an-dagnitra.11 [Fagnamarihana: "Ny dikan-teny taloha tsara indrindra die tsy ahitana ny fehejanteny ijay miseho hôtran'ny V.11. hoe: " Fa ny Janak'Olo die tonga mba hamonjy ijay vere."]12Ino no eritreritrareo? Laha misy managna managna ondry jato, ka mandeha agny amin'ny lalan-diso ny raike amin'dreo, die tsy handao ny sivy amby sivifolo eo amin'ny havôna ve ijy ary handeha hitady ny raika very ijay nandeha agny amin'ny lalan-diso? 13Laha hitany ijany, die lajaiko marina aminareo, fa mifaly amin'ijany mihôtra noho ny sivy ambiny sivifolo ijay nandeha agny amin'ny lalan-diso ijy.14 Hotran'ijany mandy koa, tsy sitraky ny Rainareo agny an-dagnitra ny hahavery ny raike amin'ireo madinika ireo.15Laha manota aminao ny rahalahinao, mandehana ary lajao anajy ny hadisône, aminao sy ijy raika mandy. Laha miteno anao ijy, die hifankahajo amin'ny rahalahinao ndrike anao. 16Kanefa laha tsy miteno anao ijy, die mangalà ny raike na roe hafa miaraka aminao, amin'ijay mba amin'ny vavan'ny vavolombelogna roa na telo no ahafana magnamarina ny teny aby daholo.Ary laha mandà ny hiteno an'dreo ijy, die jakao amin'ny fengonana ny raha-mitranga. Laha tsy magneky ny hiteno ny fengonana mandy koa ijy, die avelao ijy ho hôtran'ny Jentilisa sy ny mpamory hetra.18Jakaiko marina aminareo, n'ino n'ino fehijinareo etoy an-tany die ho fihejina agny an-dagnitra; ary n'ino n'ino abelanareo eto an-tany die ho vôvela agny an-dagnitra. 19Die mbola lajaiko aminareo ndraike hoe: "Laha misy roa aminareo magneky eto an-tany ny amin'ijay rehetra angatahin'dreo, die natao hôn'dreo ijany amin'ny alalan'ny Raiko ijay agny an-dagnitra.20 Fa na aja misy roa na telo miara-mivory amin'ny Agnarako, Die eo agnivon'dreo eo Iaho."21Avy teo nagnatogna Petera ary nijaka tamin'ny Jesôsy hoe: "Tompo, impiry hanota aminahy ny rahalahiko ka hamela anajy iaho? Hatrami'ny im-pito ve?" 22Jesôsy nijaka anajy hoe: "Tsy mijaka aminao Iaho hoe im-pito, fa hatramin'ny fitopolo im-pito.23Noho ijany ny fanjakan'ny lagnitra die mitovy amin'ny mpanjaka raike ijay te hifandamigna ara-bola miaraka amin'ny mpanompone.24 Laha vô manomboka ny fandamignana ijy, die tsy nisy mpanompo raike nindao taminajy ijay nagnanany talenta ray aligna.25 Nefa satria tsy nanagna fomba handoavana ijany ijy, die nandimby ny hamarotana anajy ny tompone, miaraka amin'ny vadiny sy ny janagny ary ijay hagnanany manontolo, ka ho vita ny fandoavan-trosa.26Noho ijany die nondrika ny mpanompo, ary nenkohoko talohane, ary nijaka hoe: 'Tompo, manàna faharetana aminahe, die halôko aminao ny raha manontolo.' 27Noho ijany ny tompon'ijany mpanompo ijany, die nalahelo, ka nagnafaka anajy ary namela ny trosa taminaje.28Fa nivôka io mpanompo io ka nahita ny raika tamin'ny mpiara-manompo aminaje, ijay nagnanany dinaria jato. Nosamborina ijy, niresine tamin'ny tendane, ary nijaka hoe: 'Aloavy aminahy ijay notrosainao.'29 Nefa niondrika io mpiara-manompo aminaje io ary nitalaho taminajy, nagnano hoe:'Manàgna faharetana aminay, die haloako aminao ndraike.'30Kanefa nandà ny mpanompo vôlohane. Mifanohitra amin'ijany, nandeha ijy ary nataony tagny am-pigadrana ny mpiara-manompo aminajy mandra-haloany aminajy ijay notrosaine.31 laha efa nahita ijay niseho ireo mpiara-manompo aminajy, die nalahelo tokôtre areo. Nandeha ary nilaja tamin'ny tompony ijay rehetra niseho areo.32Avy teo nangaika anajy ny tompon'io mpanompo io, ary nijaka anajy hoe: 'Anao ry mpanompo ratsy fagnahy, namela ny trosa aby taminao iaho satria anao nitalaho taminahe.33 Tsy tokony hanagna famindram-po amin'ny mpiara-manompo aminao ve anao, hôtrany nagnanako famindram-po taminao?'34Vignitra ny tompony ary nitondra anajy tagny amin'ny mpampijaly mandra-pahaloavany ijay rehetra notrosaine.35 Hôtran'ijany koa no ho ataon'ny Raiko agny an-dagnitra aminareo, Laha tsy mamela ny rahalahine amin'ny fony tsiraidraike avy aminareo."Chapter 19
1Ary laha efa ireo teny ireo Jesôsy, niala tagny Galilia Ijy, ary nandeha amin'ny faritra'i Jodia ijay tagny andafin'ny reniranon'ny Jordana.2 Vahôka be no nagnaraka Anaje, ka nagnafaka andreo tagny Ijy.3Nagnatogna Anajy ireo fariseo, nitsapa Anajy, nijaka taminajy hoe: " Ara-dalàna ho an'ny lelahy ve ny misaraka amin'ny vadiny noho ijay mety ho antony manontolo? 4Jesôsy namaly ary nijaka hoe: "Tsy novakianareo ve fa Ijy ijay nagnambotra andreo tamin'ny vôlohany die nagnambôtre andreo ho lelahy sy viavy?5Ijy Ijay nagnambôtra andreo die nijaka mandy koa hoe: 'Fa noho ijany antony ijany die handao ny abany sy endrine ny lelahy ka hikambagna amin'ny vadine, ary ho lasa nofo raike ijy roe?6 Ka tsy ho roa koa areo, fa ho nofo raike. Ka ijay natambatr'Andriamanitra, Ôka tsy hisy hagnasarake."7Hoy areo taminajy hoe: "Nagnino ijany Mosesy no mandindy anay hagnome taratasy Fagnamarihana mano sarahana ary avy teo hampody anajy?8 Hoy Ijy tamin-dreo hoe: " Fa ny hamafisam-ponareo no namelan'i Mosesy anareo hisaraka amin'ny vadinareo, fa tamin'ny vôlohany die tsy ijany no fomba. 9Jakaiko anareo, n'ija n'ija misaraka amin'ny vadine, hafa-tsy nohon'ny fijangajangana, ka manambady hafa, die magnitsakitsa-bady; ary ny lelahy manambady viavy ijay efa nisara-bady die mijangajanga."10Ireo mpianatra nijaka tamin'ny Jesôsy hoe: "Laha ijany no toetran'ny lelahy amin'ny vadine, die tsara ny manambady." 11Fa Jesôsy nijaka tamin-dreo hoe: "Tsy ny olo manontolo no afaka magneky ijany fampenarana ijany,12 Fa misy ireo ionoka ijay efa hôtran'ijany hatan-kibon-dreny areo, ary misy ireo ionoka ijay namboarin'olombelogna, ary misy ireo ionoka ijay magnano ny tegnan'dreo ho ionoka nohon'ny fanjakan'ny lagnitra. Ijy ijay afaka mandray ijany fampenarana ijane, ôka ijy handray ijane."13Avy teo nisy jaja madinika sasantsasany nindao tamin'ajy mba hametrahany tagnana amin'dreo ka hivavake, fa nijaka mahare an-dreo ireo mpianatre. 14Fa hoy Jesôsy hoe: "Abilao ny jaja madinike, ary aja raràna areo hagnatogna Anahe, satria ny fanjakan'ny lagnitra die an'ny hôtran-dreo." 15Napetragny teo amin'ireo jaja ny tagnane, ary avy teo nenga teo Ijy.16Indro, nisy lelahy nagnatogna an'i Jesôsy ary nijaka hoe: "Mpampianatre, Ino ny raha tsara tsy mentsy ataoko mba hahajôko ny fiagnana mandrakijay?" 17Jesôsy nijaka taminajy hoe: "Nagnino anao no magnotany momba ijay tsara tatoy aminahe? Raika mandy no tsara, fa laha te-hiditra agny amin'ny fiaignana anao, die tandremo ireo didy."18Hoy ilay lelahy taminajy hoe: "Didy ino?" Die hoy Jesôsy hoe: "Aja mamono olo, aja mijangajanga, aja mangalatra, aja mety vavolombelogna diso, 19hajao ny rainao sy ny reninao, ary tiavo ny mpia-belogna aminao hôtrany tegnanao."20Ilay jatovo nijaka taminajy hoe: "Efa nankatoaviko aby ijany manontolo ijany. Ino no mbola ilaiko?21 Jesôsy nijaka taminajy hoe: " Laha magniry ny ho tonga lafatra anao, die andihana, amidio ijay agnananao, ary omeo ny mahantra, ka hanagna harena agny an-dagnitra anao; ary avia, magnaraha Anahe." 22Fa laha efa naharegny ijay nolajain'i Jesôsy ilay jatovo, die niala tamin'alahelo ijy, satria nanagna fagnanana be.23Hoy Jesôsy tamin'ireo mpianatra hoe: "Jakaiko marina aminareo, sarotra ho an'ny mpanankarena ny hiditra ny fanjakan'ny lagnitra.24 Ary mbola jakaiko aminareo ndraike, mora kokoa ho an'ny rameva ny miditra amin'ny vodim-panjaitra noho ny idiran'ny mpanakarena ao amin'ny fanjakan'Andriamanitra."25Laha efa naharegny ijany ireo mpianatre, die tena jendagna tokôtre ka nijaka hoe: "Ija ary ijany no afaka ho vonjena?" 26Nijaha an-dreo Jesôsy ary nijaka hoe: "Amin'ny olo die tsy hay atao ijany, fa amin'Andriamanitra ny raha-manotolo die ajo atao." 27Avy teo Petera namaly ary nijaka hoe: "Indro, nabelanay ny raha-manontolo ary no ho ajonay?''28Jesosy nijaka an-dreo hoe: ''Jakaiko marina aminareo, amin'ny vanim-potôgna vaovao manontolo mitoboka eo amin'ny seja fiendriagnan'ny voninahiny Janak'Olo, die hitoboka eo amin'ny Seja fiedriagnana roa ambifolo mandy koa anareo ijay nagnaraka Anahy, hitsara ireo foko roa ambifolon'Israely.29Ny olo manontolo ijay tragno, rahalahy, anakavy, ray, reny, janaka, na tany nohon'ny anarako, die handray handray avo jato heny ary handova fiaignana mandrakijay. 30Fa be ireo ijay vôlohany ho lasa farane, ary ny farany ho vôlohane.Chapter 20
1Fa ny fanjakan'ny lagnitre die hôtran'ny tompon-tany ijay nienga vô maraigna be hagnarama mpiasa hôn'ny tanim-bôlobokane.2 Laha avy nifagnarake tamin'ireo mpiasa ijy fa ho denaria raike isan'andro ny karaman-dreo, die nalefane tagne amin'ny tanim-bôlobokane areo.3Nivôka indraike ijy tamin'ny ora fahatelo ary nahita mpiasa hafa nijorojoro tao an-tsena.4 Hoy ijy tamin-dreo hoe: "Anareo koa, mandihana agne amin'ny tanim-bôloboke, ary ijay an-kevine marina die homeko anareo." Ka nienga niasa areo.5Mbôla nivôke indraike ijy teo amin'ny ora faha enina ary koa tamin'ny ora faha sivy, ary nagnano hôtran'ijane mandy. 6Tamin'ny ora faharaika ambifolo die nivôka indraike mandeha koa ijy ary nahita mpiasa hafa nijorojoro. Hoy ijy tamin-dreo hoe: "Nagnino anareo no mijoro eto mandritra ny tontolo andro?" 7Hoy areo tamin'aje hoe: "Tsy misy magnarama ahay." Hoy ijy tamin-dreo hoe: "Anareo koa mandihana agne amin'ny tanim-bôloboke."8Laha avy ny hariva, die nijaka tamin'ny mpitandrin-draharahane ny tompon'ilay tanim-bôloboke hoe: "Angiho ireo mpiasa ary omeo ny karaman-dreo, manomboke avy agne amin'ny farane megnagne amin'ny vôlohane."9 Laha avy ireo mpiasa ijay nalaina tamin'ny ora faharaika ambifolo, die nahajo denaria raike kiraidraike aby areo.10 Laha avy ireo mpiasa vôlohane, die nieritreritre fa hahajo mihôtra areo, kanefa areo mandy koa die nahajo denaria raike kiraidraike aby.11Laha nahavôray ny karamane areo, die nitaraigna momba ilay tompon-tany areo.12 Hoy areo hoe: "Ireo mpiasa farane ireo die niasa adiny raike fotsine, nefa die nampitovinao taminay areo, ahay ijay nijaka ny vesatry ny tontolo andro sy niaritra hegn'andro."13Fa namaly ilay tompon-tany ka nijaka tamin'ny raike tamin-dreo hoe: "Ry sakeja, tsy magnano ijay tsy mety aminao iaho. Tsy denaria raike ve no nifagnarahanao tamin'ahe? 14Reso nenao ary jory ny lalagnao. Iaho die nifidy ny hagnome hôn'ireo mpiasa nikaramaina farane hôtran'ny nenao mandy.15Tsy manan-jo hagnano araka ijay tiako amin'ijay an'ahe ve iaho? Sa mialogna ve anareo satria malala-tagnana iaho?"16 Ka ny farane die ho vôlohane, ary ny vôlohane ho farane." [Fagnamarihana: "Ny dikan-teny talohaka tsara indrindra die mangala ny hoe: "Rahabe ny nangihina fa kitike ny vôfidy."]17Laha hienga ho agne Jerosalema Jesôsy, die nangala ireo rômbifolo takekine teo Ijy, ary tegny an-dàlagna Ijy nijaka tamin-dreo hoe: 18"Indro, hiakatra ho agne Jerosalema antsena, ary ny Janak'Olo die hatolotre eo amin'ny lohan'ny mpisorona sy ireo mpanora-dalàna. Areo die hagnameloke an'Ajy ho faty19 ary hanolotra an'Aje amin'ireo Jentilisa mba hihehejana, hifihina, ary hamantsihana an'Aje amin'ny hajo fijaliana. Fa amin'ny andro fahatelo die hatsangagna indraike Ijy."20Avy teo iendrin'ireo janaka lahin'i Zebedio nagnantogna an'i Jesôsy niaraka tamin'ireo janagne lahy. Nenkohoke teo agnatrehane ijy ary nangataka raha avy amin'Aje.21 Hoy Jesôsy tamin'aje hoe: "Ino no tianao?" Hoy ijy tamin'ajy hoe: "Mandidia mba hitobohan'ireto janako rôlahy ireto, ny raike eo an-tagnanao ankavanana ary ny raike eo an-tagnanao ankavia, ao amin'ny fanjakanao."22Fa Jesôsy namaly ary nijaka hoe: "Tsy fantatrareo ny raha angatahinareo. Afaka ny hisotro ny kapôka ijay hisotroako ve anareo? Namaly areo hoe: "Afaka ahay."23 Hoy Ijy tamin-dreo hoe: "Hisotro ny kapôkako tokôtre anareo. Fa ny hitoboke eo an-tagnako ankavanako sy ankaviako die tsy anjarako ny magnome, fa an'ireo ijay efa nomagnin'Iabako." 24Laha naharegny ijane ireo mpianatra folo lahy hafa, die vignitre mahare tamin'ireo ampirahalahy roe.25Fa Jesôsy nangaike an-dreo hegneo amin'Aje ary nijaka hoe: "Fantatrareo fa ireo mpanapak'ireo Jentilisa die hangeja an-dreo, ary ireo lelahy manan-danjan-dreo die hagnampatre ny fahefane eo amin-dreo.26 Fa tsy tokone ho hôtran'ijane ny aminareo. Mifanohitra amin'ijane, n'ija n'ija magniry ny hanjary makadiry aminareo die tsy mentsy ho mpanomponareo, 27ary n'ija n'ija magniry ny ho vôlohane eo aminareo die tsy mentsy ho mpanomponareo, 28hôtran'ny Janak'Olo tsy avy ho tompoina, fa hanompo, ary hagnome ny aigne mba ho vidim-pagnavotana hôn'ny maro."29Laha nivôke avy agny Jeriko areo, die fokon'olo rahabe no nagnaraka an'Aje. 30Nisy lelahy pôke roe nitoboke teo amoron-dàlagna. Laha naharegny fa nandalo Jesôsy, die nikiake mahare areo hoe: "Tompo, janak'i Davida, mamindrà fo aminay." 31Naseke an-dreo ny fokon'olo, nijaka an-dreo mba hangigna, kanefa vô maika areo nangaike mahare hoe: "Tompo, janak'i Davida, mamindrà fo aminay."32Avy teo Jesôsy nijanogna ary nangaike an-dreo sady nijaka hoe: "Ino no tianareo hamboariko aminareo?" 33Hoy areo tamin'Ajy hoe: "Tompo, mba hahita ny masonay" 34Avy teo Jesôsy, nalahelo, ka nikitike ny mason-dreo. Avy hatragne die nahita areo ary nagnaraka an'Aje.Chapter 21
1Laha nagnatogna an'i Jerosalema Jesôsy sy ny mpianany ka nandeha ao Betifaga, agny antendrombohitr'i Oliva, die nandefa mpianatra roe Jesôsy, 2nilaja tamin-dreo hoe: Mandihana ao amijay vohitra magnaraka ao, fa eo no ho eo anareo die hahita boriky mifehy ary jana-boriky raike miaraka aminaje. Tataho ijy aby die indôsy aminahe.3 Laha misy mijaka anareo mahakasika ijany, die jakay hoe: 'Misy ilan'ny Tompo anajy ito,' ary eo no ho eo ijany olo ijany die hagneky anio hiaraka aminareo."4Ary nitranga ijany mba hahatanteraka ijay nambara tamin'ny alalan'ny mpaminagny. Hoy Areo hoe:5 "Ilajao ny janaka vavin'i Ziona hoe: 'Indro, ny mpanjakanao magnatogna anao, Magnetry tegna ary mideba boriky- jana-boriky lahy."'6Avy teo die lasa ireo mpianatra ary nagnano arak'ijay nandidian'i Jesôsy an-dreo.7 Nindaon-dreo ny ampondra sy ny jana-boriky ary nametraka ny lamban-dreo teo aminajy, ka nipetraka teo amin'ny lamba Jesôsy. 8Ny ankamaroan'ny vahôka die namelatra ny lambane tamin'ny tane, ary ny hafa nanapaka sampan-kajo ary nagnaparitaka ijany tamin'ny lalagna.9Avy teo ny vahôka neloha an'i Jesôsy sy ny ijay nagnarake anajy nitabataba hoe: "Hosana ho an'ny janak'i Davida! Isaorana ny tonga avy amin'ny anaran'ny Tompo! Hosana agny amin'ny ambony indrindra!" 10Laha efa niditra tao Jerosalema Jesôsy, die nihoraka ny tanàn'draike ka nagnano hoe: "Ija moa io? 11Ny vahôka namaly hoe:"Ijy no Jesôsy ny mpaminagny avy agny Nazareta agny Galilia."12Avy teo niditra tao an-tempoly Jesôsy. Niroahiny aby ny mpivanga sy mpivarotra tao an-tempoly, ary nahongane ny latabatrin'ny mpanakalo vola sy ny fitôran'ny mpivarotra voromahalala. 13Hoy Ijy tamin-dreo hoe: "Efa vôsoratra hoe:' Ny tragnoko die ho antsovana hoe tragno fivavahana, ' kanefa ataonareo johy fieren'ny jiolahy." 14Laha avy teo die nisy jamba sy kilema nagnatogna Anajy tao an-tempoly, ka nafahany areo.15Fa laha nahita ny java-mahagaga nataony ny lehiben'ny mpisorogna sy ny mpanora-dalàna, ary laha efa regnin-dreo ny jaja madinika nitabataba tao an-tempoly hoe: "Hosana ho an'ny janak'i Davida," die vignitra mafy areo.16 Hoy areo taminajy hoe: "Regninareo ve ijany jakain'ireo olo ireo?" Namaly an-dreo Jesôsy hoe: "Eka! Fa tsy mbola nivakinareo mihintsy ve ny hoe: 'Avy amin'ny vavan'ny jaja madinike sy ny jaja minono no nandavorarenareo ny fiderana?"17 Avy teo nandao an-dreo Jesôsy ka nandeha tagny amin'ny tanànan'i Betania ary nipetraka tao ny aligna.18Ary laha maraigna laha niverigna tagny an-tanàna Ijy, die mosaregna.19 Nahita hajon'aviavy tegny amoron-dalagna, die nagnatogna tegny Ijy ary tsy nahita n'ino n'ino teo hafa-tsy ravigne. Hoy Ijy taminajy hoe: "Ôka tsy hisy vôny koa avy aminao mandrakijay," ary niaraka tamijay die maigna ny aviavy.20Laha efa nahita ijany ny mpianatrane, die jendagna areo ary nijaka hoe: " Nagnino no tonga die mainga itoy aviavy itoy?" 21Namaly Jesôsy ary nilaja an-dreo hoe: "Lajaiko marina aminareo, laha manam-pinôna sy tsy misy fisalasalana anareo, die tsy ijay natao tamin'io aviavy io mandy no hataonareo, fa na die hijaka amin'itoy tendrombohitra itoy aja hoe: 'miongota ary milavoa agny an-dranomasina', die ho atao ijany.22 N'ino n'ino angatahinareo am-bavaka, am-pinôna, die hoajonareo."23Nony niditre tao an-tempoly Jesôsy, die nagnantogna an'Ajy ny lehiben'ny mpisorogna sy ny jokiolo laha nampianatra Ijy ary nijaka hoe: ''Fahefana avy aja moa no amboaranao iregny raha iregne, ary ija no nagnome anao ijany fahefana ijane? 24Namaly Jesôsy ary nijaka tamin-dreo hoe: ''Hametrahako fagnontaniana raike hafa mandy koa anareo. Laha vorianinareo amin'Ahe, die vorianiko aminareo ny fahefana amboarako iregny raha iregne.25Ny batisan'i Jaona - avy taja ny neviane? Avy tagny an-dagnitre sa avy tamin'ny olombelogna?'' Niady hevitra areo, nagnano hoe: ''Laha mijaka antsena hoe, 'Avy tagny an-dagnitre,' Ijy hijaka amintsena hoe: ''Fa nagnino ijany anareo no tsy nino an'ajy?'' 26Fa laha mijaka antsena hoe: ''Avy tamin'ny olombelogna', matahotre ny fokon'olo antsena, satria ijy abiaby die mihevitra an'i Jaona hôtran'ny no mpaminany''. Ka namaly an'i Jesôsy areo ka nijaka hoe: ''Tsy fantatray''. 27Ary hoy mandy koa Ijy tamin-dreo hoe: ''Iaho mandy koa die tsy hivoria aminareo hoe avy aja ny fahefana amboarako iregny raha iregne.28Fa akory ny hevitrareo? Nisy lelahy raike nanagna janaka rôlahy. Nienga negnagne amin'ilay vôlohane ijy ary nagnano hoe: ''Janako, mandihàna miasa agny amin'ny tanim-bôloboke niany''. 29Ilay janagne lahy namaly an'ajy hoe: ''Tsy ho agny iaho,'' fa avy teo niova hevitre ijy die lasa. 30Avy teo die negnagne amin'ilay faharoe ijy ary nijaka ijany mandy koa. Namaly ijy ka nijaka hoe: ''Ho agny iaho, tompoko,'' nefa tsy negnagne ijy.31Ija tamin'ireo janagne roe no nagnano ny sitrapon'iabane?'' Ary hoy areo hoe: ''Ilay vôlohane.'' Jesôsy nijaka an-dreo hoe: ''Vorianiko marina aminareo, ireo mpamory hetra sy ireo mpivaro-tegna die hiditra ny Fanjakan'ny Andriamanitra alohakareo. 32Fa Jaona nagnantogna anareo tamin'ny fahamarignana, fa tsy nino an'ajy anareo. Fa ireo mpamory hetra sy mpivaro-tegna nino an'ajy. Fa anareo, na die nahita ijany aja, die tsy nibebaka sy tsy nino an'ajy.33Tenoy itiky fagnoharana raike hafa itiky. Nisy lelahy raike, tompona tany. Nambôtre tanim-bôloboke ijy, nifefene ijany, nangadiane famiajana tagnatiny tao, nananganany tilikambo, ary nampagnofaine tamin'ireo mpamboly vôloboke. Avy teo die negnagne amin'ny tanàna hafa ijy. 34Laha nagnakeke ny taom-pahavokarana, die nagnirake ny saragne tamin'ireo mpanompo ijy ho agny amin'ireo mpamboly vôloboke hangala ny vokatrane.35Fa nisamborin'ireo mpamboly vôloboke ireo mpanompone, nifihine ny raike, nivonine ny hafa, die mbola nitilina vato ny hafa. 36Ary mbola, nagnirake mpanompone hafa indraike ilay tompon-tany, rahabe loho ny vôlohane, fa nataon-dreo hôtran'ijane mandy koa.37 Tafaran'ijane, die nagnirake ny janagne lahitokagna tagny amin'ireo ny tompon-tany, nijaka hoe: ''Hagnaja ny janako areo.''38Fa laha nahita ilay janaka lahy ireo mpamboly vôloboke, die nifampiresaka areo hoe: ''Itiky no mpandova. Ndao, hivonintsena ijy ary halaintsena ny lova.'' 39Noho ijany die nisamborin-dreo ijy, natily tao agnatin'ny tanim-bôloboke ary nivonina.40Ary laha avy ny tompon'ny tanim-bôloboke, ino ny hamboarine amin'ireo mpamboly vôloboke?'' 41Hoy areo tamin'Ajy hoe: ''Hifejine amin'ijay fomba mahare indrindra ireo olon-doja, ary avy teo hampagnofaine amin'ireo mpamboly vôloboke hafa ny tanim-bôloboke, olo hagnome an'ajy ny anjara voline amin'ny eo fotôm-pahavokarana.''42Jesôsy nijaka tamin-dreo hoe: ''Tsy mbola namaky ny Soratra Masina mihitsy ve anareo hoe: ''Ny vato nolavin'ny mpambotra-tragno no natao vato fehijoro. Avy tamin'ny Tompo ijany, ary mahavaregna eo amasontsena'?43Noho ijany vorianiko aminareo, halaina aminareo ny fanjakan'Andriamanitra ary hatolotre ny firenena ijay mamokatra ireo vône.44 N'ija n'ija ho lavon'io vato io die ho potipotike. Fa ijay hilatsahane koja die ho torotoro.''45Laha naharegny ireo fagnoharana ireo ny lehiben'ny mpisorogna sy ireo Fariseo, die ajon-dreo fa mahakasika an-dreo ny nivorianine.46 Nikasa ny hanambotra an'Ajy, kanefa natahotra ny fokon'olo areo, satria nataon'olo ho mpaminany Ijy.Chapter 22
1Nijaka tamin'ny fagnoharana tamkn'dreo indraike Jesôsy, nagnano hoe: 2''Ny fanjakan'ny Lagnitre die mitovy amin'ny mpanjaka ijay nagnomagna fanasana amin'ny fampakaram-bady ho an'ny janagne lahy.3 Nagnirake ny mpanompone hagnatso ny jay nahazo fagnasana hagnatrike ny lagnonam-pampiaram-bady ijy, fa tsy nety ho avy areo.4Nandefa ny mpanompone hafa koa ny mpanjaka, manao hoe: ' Ilazao ny jay nasaina hoe: ''Jereo, efa nokarakaraiko ny sakafoko. Efa novonoina ny omby sy ny zanak'omby mifahiko, die efa vonona ny raha-abiaby. Tongava ao amin'ny lagnonam-pampiakaram-bady.'''5Feny tsy niraharaha areo lasa nandeha, ny raike namonjy ny toeram-piompine, ny hafa tamin'ny raharaham-borony. 6Ny saragny nanambotre ny mpanompon'ny mpanjaka, nangala baraka anajy reo, die namono anajy reo. 7Vay ny mpanjaka ka nagnirake ny miaramilane, die namono mpamono olo io areo, die nagnoro ny tanànany.8Ave eo nijaka tamin'ny mpanompony ijy hoe: 'Efa vonona ny fampakaram-bady, fa areo jay nasaina no tsy mendrika. 9Noho ijany mandihana egny amin'ny sampaganan-dalambe die magnasà olo rahabe arake ny hitanareo ho ao amin'ny lagnonam-pampiakaram-bady.'10 Nandeha nivôke tagny amin'ny lalan-dehibe ny mpanompo die nanambatre ny olo aby jay hitan'dreo, na ny tsara na ny ratsy. Noho ijany die feno vahiny ny efi-tragno lehibe nisy ny fampakaram-bady.11Fa rehefa niditre ny mpanjaka mba hijery ny vahiny, die nahita lelahy tsy nanao akanjo findao amin'ny fampakaram-bady ijy. 12Nijaka taminajy ny mpanjaka hoz: 'Ry sakaiza, ahôna no idiranao aty tsy miaraka amin'ny fitafy findao amin'ny fampakaram-bady?' Fa tsy nahajaka ny lelahy.13Avy eo nijaka tamin'ny mpanompony ny mpanjaka hoe: 'Fatory ny Tananarive sy ny tongotr'itoy lelahy toy, die atipazo agny ivelany ijy, agny no misy fitomagniana sy fikotroha-nify.' 14Fa olo rahabe nantsoina, nefa vitsy no ho voafidy.15Avy eo nandeha ny Fariseo die nanomana ny fomba mety hamandrihana an'i Jesôsy amin'jay noteneniny. 16Avy eo nirahin'dreo hegnany Aminajy ny mpianatran'dreo, niaraka tamin'ny Herodiana. Nijaka tamin'ny Jesôsy arzo hoe: ''Ry mpampianatra, fantanay fa marina Anao, dia mpampianatra ny lalan'Andriamanitra amin'ny marina. Tsy miraharaha ny hevitry ny hafa Anao, die tsy mijaha mitanila.17 Noho ijany jakao amonay, ino ny hevitrao? Ara -dalàna ve ny fandoavan-ketra agny amin'ny Kaisara sa tsiare?''18Nefa azon'i Jesôsy ny faharatsian'reo ka nijaka : ''Nagnino no mitsapa Anahy anareo, ry mpihatsaravelatsihy? 19Aboahy Anahy ny farantsa amin'ny hetra.'' Avy eo nirondra dinaria teo aminajy areo.20Hoy Jesôsy tamin'dreo hoe: ''An'ija toy sary sy anarana toy?'' 21Nijaka taminajy arzo hoe: ''An'i Kaisara .'' Avy eo Jesôsy nitzny andreo hoe: ''Omeo an'i Kaisara ny zay an'i Kaisara, die an'Andriamanitra ny zay an'Andriamanitra.'' 22Rehefa naharzegny ijany areo, die jendagna. Die nenga teo Aminajy areo ka nandeha.23Tamin'jay andro jay mandy ny Sodoseo saragne, nyzay nijaka fa tsy misy fitsanganana amin'ny maty, nagnatogna Anajy. Nagnatogna Anajy areo,24 nanao hoe: ''Ry mpampianatre, Mosesy nijaka hoe: 'Raha maty ny olo, tsy manan-janaka, die tokone hanambady ny vadiny ny rahalahiny die hanan-janake ho an'ny rahalahiny.25Nisy mpirahalahy fito. Nanambady ny voalahany die maty avy eo. Lasa tsy nametrake janake, navelany ho an'ny rahalahiny ny vadine. 26Avy eo nanao raha mitovyamin'jay ny faharoe, avy eo ny fahatelo, hôtran'zay fehizay amin'ny rahalahiny fahafito.27 Tafaran'ny abiaby reo, die maty ny viavy. 28Die amin'ny fitsanganan'ny maty, ho vadin'ija amin'dreo miralahy fito kjy? Fa efa nanambady ajy ijy manontolo reo''29Fa namaly Jesôsy die nijaka andreo hoe: ''Diso anareo, satria tsy mahafantatre ny Soratra Masina na ny herin'Andriamanitra.30 Fa amin'ny fitsanganan'ny maty die sady tsy hanambady areo no tsy omena ampakarina. Fa koja, mitovy amin'ny anjely agny an-dagnitre.31Fa makasika ny fitsanganan'ny maty, mbola tsy novakianareo ve jay nojakain'Andriamanitra taminareo, manao hoe: 32'Iaho no Andriamanitr'i Abrahama, Andriamanitr'i Isaka, ary Andriamanitr'i Jakoba'? Andriamanitra die tsy Andriamanitre ny maty, fa an'ny velogna.''33 Rehefa naharegny an'jay ny fokonolo, die varegna tamin'ny fampenarany.34Fa rehefa regnin'ny Fariseo ny nampanginan'i Jesôsy ny Sadoseo, die niara-nivondrona areo. 35Ny raike tamin'dreo, mpahay lalàna, nametra-panotaniana taminajy, nangala fanahy Anajy hoe : 36''Ry mpampianatra, ija no lehibe indrindra amin'ny didy ao amin'ny lalàna?''37Nijaka taminajy Jesôsy hoe: ''Tiavo amin'ny fonareo manontolo, amin'ny fanahinareo aby, die amin'ny saignareo manontolo ny Tompo Andriamanitrareo.'38 Ijany no didy angejabe sy voalohany.39Die ny didy faharoa die hôtrany jay mandy koa: 'Tiavo ny mpiara-belona aminareo hôtra ny tegnanareo.' 40Amin'ny didy rolahateo io no enkinan'ny lalàna manontolo sy ny mpaminany.''41Die raha mbola niara- nivondrona ny Fariseo, die nametra-panotaniana anajy reo Jesôsy. 42Hoy Ijy hoe: ''Ino no eritreretrareo momban'i Kristy? Janaka lahain'ija Ijy!'' Nijaka taminajy reo hoe: ''janak'i Davida.''43Hoy Jesôsy tamin'dreo hoe: ''Nagnino ary Davida mipetrake ao amin'ny Fanahy no magnatso Anajy hoe Tompo, manao hoe: 44 'Ny Tompo nijaka tamin'ny Tompoko hoe: ''Mipetraha eo amin'ny tanan'ankavanako, mandra-panaoko ny fahavalonao'ho fitoeran-tongotrao?'45Laha Davida aja magnantso an'i Kristy hoe: 'Tompo,' die ahôna no maha-janak'i Davida Anajy?'' 46Tsy nisy nahavaly Anajy tamin'ny jaka, die tsy nisy olo nahasahy nametrake fagnotaniana hafa koa nanomboke tamin'ijay andro ijay.Chapter 23
1Ary Jesôsy nijaka tamin'ireo fokon'olo sy ireo mpianatrane. 2Hoy Ijy hoe: ''Ireo mpanora-dalàna sy Fariseo mitoboke eo amin'ny fitobohan'i Mosesy.'' 3Noho ijane n'ino n'ino handidian-dreo anareo hamboarina, die amboaro iregne raha iregne ka mitandrema an-dreo. Fa aja alaina tahake ny asan-dreo, satria areo die mijaka raha nefa avy teo tsy magnano ijane.4Ieke, fatoran-dreo ny enta-mavesatre ijay sarotre indôsina, ary avy teo die atobokan-dreo eo amin'ny sorokan'olo. Fa tsy hagnetsike ny ratsan-tagnane na die raike ny tegnan-dreo mba hitondra ajy ireo. 5Magnano ny asane abiaby areo mba ho hitan'olo. Fa ataon-dreo malalake ny filakiterane, ary angejain-dreo ny sisin'akanjone.6Tian-dreo ny pilasin'ny mana-kaja agne amin'ny lagnonana sy ny pilasin'ny makadiry ao amin'ny synagoga, 7sy ny fagnontaniena miavake egne an-tsena, ary mba angihin'olo hoe: ''Raby''.8Fa anareo tsy ajo angehina hoe: ''Raby'', fa raike mandy ny mpampianatrareo, ary mpirahalahy anareo abiaby.9 Ary aja mangaike ny olo etiky an-tany hoe iabanareo, fa raike mandy Iabanareo, ary Ijy die agne an-dagnitre. 10Anareo aja mety angehina hoe: ''Mpampianatra'', fa raike mandy ny mpampianatrareo, die i kristy.11Fa ijay makadiry indrindra aminareo no ho mpanomponareo. 12N'ija n'ija manandra-tegna die ahetry, ary n'ija n'ija manetry tegna die hasandratre.13Fa lojanareo, ry mpanora-dalàna sy fariseo, mpetsaravelatsihy! Fa akatognareo ny fanjakan'ny lagnitre. Fa anareo tsy mampiditra ny tegnanareo, ary tsy akenareo ireo ijay mandremby hiditre. 14[Fagnamarihana: ny antontan-taratasy talohaka die tsy ahitana ny fehejanteny hoe: ''Fa lojanareo, ry mpanora-dalàna sy fariseo, mpetsaravelatsihy! Fa mandany ny tragnon'ny mpitondra tegna, ary magnano vavake lavareny anareo. Noho ijane die hahajo fagnamelohana makadiry anareo.'']15 Lojanareo, ry mpanora-dalàna sy fariseo, mpetsaravelatsihy! Fa menga mitety ny ranomasina sy ny tany anareo mba hampiova fo ny olo raike, ary laha miova fo ijy, die ataonareo janaky ny afobe avo roe heny mihôtra noho anareo ijy.16Lojanareo, ry mpitarike pôke, anareo ijay mivoria hoe: ''N'ija n'ija mifanta amin'ny fengonana, die tsy misy dikane ijane. Fa n'ija n'ija mifanta amin'ny voloamenan'ny fengonana, die vôfehin'ny fifantane ijy.''17 Anareo ry pôke môla! Ija no makadiry loholoho, ny volamena sa ny fengonana ijay magnano ny volamena ho masina?18Ary, ''N'ija n'ija mifanta amin'ny alitara, die tsy misy dikane ijane. Fa n'ija n'ija mifanta amin'ny fagnatitre ijay eo ambonin'ijane, die vôfehin'ny fifantane ijy.'' 19Anareo ry olo pôke! Ija no makadiry loholoho, ny fagnatitre sa ny alitara ijay magnano ny fagnatitre ho masina?20Noho ijane, ijay mifanta amin'ny alitara, die mifanta amin'ijane sy amin'ny raha abiaby eo ambonine. 21Ny raike ijay mifanta amin'ny fengonana, die mifanta amin'ijane sy amin'ijay monigna amin'ajy ao, 22ary ny raike ijay mifanta amin'ny lagnitre, die mifanta amin'ny seja fendrianan'Andriamanitra sy amin'ijay mitoboke eo ambonin'ijane.23Lojanareo, ry mpanora-dalàna sy fariseo, mpetsaravelatsihy! Fa magnefa ny fahafolon'ny solila sy ny aneta ary ny komina anareo, fa anareo die tsy nankatò ny raharaha mavesa-danja indrindra amin'ny lalàna die ny rarine sy ny famindram-po ary ny finôna. Fa ireo no tokone namboarinareo ary tsy tokone navelanareo ho tsy vita ny raike hafa. 24Anareo ry mpitarike pôke, anareo ijay manivagna ny lalitre nefa miteligna rameva!25Loja hônareo, ry mpanora-dalàna sy fariseo, mpetsaravelatsihy! Fa diovinareo ny ivelan'ny kapôke ny ny vilia, nefa ny ao agnatine die feno fagniriana sy filàna. 26Anareo ry fariseo pôke! Diovy alohake ny ao agnatin'ny kapôke sy ny vilia, mba hanjary madio mandy koa ny ivelane.27Loja hônareo, ry mpanora-dalàna sy fariseo, mpetsaravelatsihy! Fa anareo die hôtran'ny kobory vôlalotra fotsy; ijay tsara ivelane, fa ny ao agnatine koja die feno ny tôlam-paty sy ny loto abiaby. 28Hôtran'ijane mandy koa, etiky ivelane anareo miseho ho marina eo amin'ny olo, nefa ny ao agnatinareo die feno fetsaram-belatsihy sy heloke.29Loja hônareo, ry mpanora-dalàna sy fariseo, mpetsaravelatsihy! Fa manangagna ny koborin'ny mpaminany anareo ary magnengo ny koborin'olo marina. 30Hoy anareo hoe: ''Laha niaigna tamin'ny andron'ny rajambentsena antsena, die tsy ho nandray anjara niaraka tamin-dreo tamin'ny fandatsahana ny ràn'ny mpaminany antsena.''31 Noho ijane die mijoro vavolombelogna amin'ny tegnanareo anareo fa janak'ireo ijay namono ny mpaminany.32Anareo mandy koa die nahafeno ny fahotan'ireo rajambenareo. 33Anareo ry bibilava, anareo ry taranaky ny menaragna, akory ny hilefanareo ny fagnamelohana ho agne amin'ny afobe?34Noho ijane, igne, magnirake mpaminany sy olo-kanty ary mpanora-dalàna hônareo Iaho. Ny saragne amin-dreo die hivoninareo sy hifantsihanareo; ary ny saragne hifihinareo ao amin'ny synagoganareo ary handrôkevan'aje hienga ao an-tanàna.35 Ny vokatr'ijane die hanody anareo ny rà marina abiaby ijay nalatsake tetiky an-tane, nanombokectamin'ny ràn'i Abela marina, ka hatramin'ny ràn'i Zakaria janak'i Barakia ijay nivoninareo teo agnelagnelan'ny fitobohana masina sy ny Alitara. 36Jakaiko marina aminareo, fa ny raha abiaby die ho avy amin'itiky taranaka itiky.37Ry Jerosalema, ry Jerosalema, anao ijay mamono ny mpaminany sy mitily-vato ijay irahina hôminao! Impiry Iaho no magniry ny hagnavorovoro ny janakao miarake, hôtran'ny akoho vavy raike magnavorovoro ny akoho madinike ao ambany elatrane, nefa tsy nety anareo!38 Igne, ny tragnonareo no avela ho lao hônareo. 39Fa jakaiko aminareo, hatramin'ijao, tsy hahita an'Ahe tokôtre anareo mandra-pijakanareo hoe: ''Isôrana anie ijay avy amin'ny agnaran'ny Tompo.''Chapter 24
1Nivôke ny tempoly Jesôsy ary nenga nandeha. Nagnatogna an'Ajy ireo mpianany mba hanoroana an'Ajy ny rafitry ny tempoly. 2Nefa namale Ijy ary nijaka tamin-dreo hoe:'' Tsy hitanareo ve ireo raha abiaby ireo? Jakaiko marina aminareo, tsy hisy vato ho tavela amin'ny raike hafa ijay tsy ho ravàna. ''3Laha nipetrake teo an-tendrombohitr'Oliva Ijy, die nagnatogna an' Ajy mangingigna ireo mpianany ary nijaka hoe: '' Jakao anay, ovena ireo raha abiaby ireo no hibôke? Ino no famantarana ny fahatongavanao sy ny fara-andro?''4 Namaly Jesôsy ary nijaka an-dreo hoe: ''Mitandrema mba tsy hisy hamitake anareo. 5Fa ho maro ny ho avy amin'ny agnarako. Ary hijaka areo hoe: 'Iaho no Kristy,' ary maro no ho voafitake.6Haharegne ady sy tatitr'ady anareo. Mitandrema mba tsy hitebiteby anareo, fa tsy mentsy hibôke ijany abiaby ijany; nefa tsy mbola avy ny farane. 7Fa hisy firenena hitsangagna hanohitre firenena, ary fanjakana hanohitre fanjakana. Hisy mosary sy horohoron-tany amin'ny toerana samihafa.8 Nefa ijany abiaby ijany die fiendohan'ny fanaintainan'ny fiterahana fotsiny mandy.9Ka ho atolo-dreo ho amin'ny fahoriana anareo ary ho vonoiny. Ho halan'ny firenena abiaby anareo nohon'ny agnarako. 10Ary ho rahabe ny ho tafintohigna, ary hifamadike sy hifankahala ny kiraidraike. 11Mpaminany sandoke rahabe no hitsangagna ka hamitake olo rahabe.12Satria ny faharatsiana die hitombo, ary hihamangatsiake ny fitiavan'ny maro. 13Fa ilay raike ijay miaritre hatramin'ny farane die ho voavonjy. 14Ity filajantsaran'ny fanjakana ity die ho torina erak'ijao tontolo ijao ho vavolombelogna amin'ny firenena abiaby. Avy eo die ho tonga ny farane.15Noho ijany, raha mahita ny fahavetavetan'ny fandravana anareo, ijay nolajain'i Daniela mpaminany, die hitsagagna eo amin'ny toerana Masina anareo'' (ôka ny mpamaky hahatakatra), 16Ôka ireo ijay agny jodia hilefa ho agny an-tete, 17Ôka ijay ao an-tampon'ny tragno tsy hidigna hangala raha avy ao an-dragnony, 18ary ôke ijay agny an-tsaha tsy hiverigna hangala ny lambany.19Fa loja ho an'ireo mavesatre sy mampinono amin'ijany andro ijany! 20Mivavaha mba ho amin'ny rirignina na amin'ny Sabata no hibôke ny filefanareo. 21Fa hisy fahoriagna lehibe, ijay tsy mbola nisy hôtran'ijany hatragny am-piandohan'ijao tontolo ijao mandrak'ankehitriny, tsiary, ary tsy hisy koa. 22Laha tsy afohejina ireo andro ireo, die tsy hisy nofo ho vonjena. Fa nohon'ny olom-boafidy die hafohejina ireo andro ireo.23Fa laha misy olo mijaka anareo hoe:' Indro, ity ilay Kristy' na, 'iry ilay Kristy' die aja mino an'ijany. 24Fa Kristy sandoke sy ny mpaminany sandoke die ho avy ary hagnabôke famantarana lehibe sy raha mahajendagna, mba hamitake, laha ajo atao, eka fa na ireo olom-boafidy aja. 25Indro, efa nojakaiko anareo mialohan'ny fotôgna.26Noho ijany, laha mijaka anareo areo hoe:' indro, any agnefitre ijy,' die aja menga agny angnefitre. Na hoe' indro, any agnaty efitragno ijy' die aja mino an'ijany. 27Fa hôtran'ny varatra ijay magnelatre avy agny antsignanana ka majava hatragny andrefana, die hôtran'ijany ny fihavian'ny Janak'Olo. 28Na aja na aja misy biby maty, dia agny no hiangognan'ny voltora.29Ary laha vô afake ny fahoriana amin'ireo andro ireo die ho menjigna ny masoandro, tsy hagnome ny hajavany ny volagna, hilatsaka avy agny an-dagnitra ny vasiagna, ary hihojongojogna ny herin'ny lanitra.30Avy eo die hibôke egny amin'ny lanitra ny famantaran'ny Janak'Olo, ary ny foko abiaby ambonin'ny tany hisaogna. Hahita ny Janak'Olo avy amin'ny rahon'ny lanitra miaraka amin'ny hery sy voninanhitra lehibe areo.31 Handefa ireo anjeliny Ijy miarake amin'ny feo trompetra mahare, ary hagnangogna ny olom- boafidiny avy agny amin'ny vajan-tany efatre areo, manomboke amin'ny faravodilanitra ka hatragny amin'ny hafa.32Mianara ny lesona avy amin'ny aviavy. Laha vantany vô matoy ny sampagna ary mamôke ny raviny, die fantatrareo fa magnakeky ny fahavaratre. 33Hôtran'ijany koa, laha mahita ijany raha abiaby ijany anareo, die tokony ho fantatrareo fa efa akeky Ijy, eo amin'ny vavahady mihitsy.34Jakaiko marina aminareo, fa tsy ho lany ity taranaka ity mandra-pibôkan'ijany abiaby ijany. 35Tsy hisy koa ny lanitra sy ny tany, fa ny jakako die tsy mba ho levogna mandrakijay.36kanefa ny mahakasika ijany andro sy lera ijany die tsy hisy mahalala, na ny anjelin'ny lanitra aja, na ny janaka lahy, fa ny Ray mandy.37Hôtran'ny tamin'ny andron'i Noa, die hôtran'ijany mandy koa ny fihavian'ny Janak'Olo. 38Fa hôtran'ny tamin'ireo andro ireo mialohan'ny safo-drano die nihinagna sy ninogna areo, nanambady sy nampakarina mandrapahatongan'ilay andro nidiran'ny Noa tao agnatin'ilay sambo fiara,39 ary tsy nahafantatre n'ino n'ino areo mandra-pahatongan'ny safo -drano ka nandringagna an-dreo abiaby-die hôtran'ijany ny fihavian'ny Janak'Olo.40Avy eo hisy lelahy roe egny an-karegna- ny raike ho resina, ary ny raike ho avela. 41Viavy roe no hanoto vary- ny raike ho resina, ary ny raike ho abela. 42Noho ijany die miambena, fa tsy fantatrareo ijay andro hiavian'ny Tomponareo43Fa fantaro ijao, laha fantatry ny tompon-tragno hoe amin'ny firy aligna no hiavian'ny mpangalatre, die ho niambigna ijy ary tsy namela ny tragnony ho vaky. 44Noho ijany die tsy mentsy mivognona mandy koa anareo, fa ho avy ny Janak'Olo amin'ny lera tsy ampoijinareo.45Koa ija moa ilay mpanompo mahatoky sy hendre ijay notendren'ny tompony hanapake ny ankohonany mba hagnomejana an-dreo ny sakafon-dreo amin'ny fotôgna mety? 46Sambatre ijany mpanompo ijany ijay hitan'ny tompony fa magnano ijany laha avy ijy. 47Jakaiko marina aminareo fa ny tompony no hanapake an'ajy ho ambonin'ny raha abiaby ijay anagnany.48Fa laha misy mpanompo ratsy mijaka ao am-pony hoe: ' Ela fiavy ny tompoko', 49ka manomboke mamono ireo manompo akamany, sy mihinagna ary minogna amin'ireo mpimamo; 50die ho avy ny tompon'ilay mpanompo amin'ny fotôgna ijay tsy ampoijiny ary amin'ny lera ijay tsy fantany. 51Die ho kapakapain'ny tompony ijy ary ho ataony hôtran'ny an'ireo mpihatsaravelatsihy ny anjarany, ijay hisy ny fitomaniana sy ny fikitroha-nify.
Chapter 25
1Ny fanjakan'ny lagnitre die ho hotra'ny ny virijina folo ijay nangala ny jirony ka nandeha nihaogna tamin'ny mpampakatra.2 Adala ny dimy tamin-dreo fa ny dimy koja hendry. 3Ary laha nitondra iro jiro ireo virijina adala, die tsy nitondra solika niaraka tamin'ajy.4 Fa ireo virijina hendry koja die nitondra fitehirijan-tsolika niaraka tamin'ny jirony.5Ary laha tara ny mpampakatra, die rendremagna ijy abiaby ka natory. 6Fa tamin'ny sasak'aligna die nisy nangnatso mahare hoe:" Indro, ny mpampakatre! mivoaha mba hihaogna amin'ajy.7Avy io niarigna ireo virijiny abiaby ka nikarakara ny jirony. 8Hoy ireo môla tamin-dreo hendre hoe:'' Mba omeo ampahany amin'ny fandrehitr'areo ahay fa efa ho faty ny jironay. 9Fa namale ireo hendre ka nijaka hoe:" Sô die tsy ho ampe anay sy ho anareo, fa mandehana koja agny amin'ireo mpivarotra ka mividiana ho an'ny tegnanareo.''10Laha nandeha nivanga areo, die avy ny mpampakatre, ary ijay vognona die niara nandeha tamin'ajy ho ao amin'ny fanasam-panambadiana, ka nihidy ny vavahady. 11Laha afake ijany die tonga mandy koa ireo virijiny sasany ka nijaka hoe:" tompoko, Tompoko, mba vohao ahay". 12Fa namaly ijy ka nijaka hoe:' Jakaiko marina aminareo, tsy mahafantatre anareo aho.' 13Koa noho ijany miambena, fa tsy fantatrareo ny andro na ny ora.14Fa ijany die hôtrin'ny lelahy raike ijay handeha ho agny amin'ny firenen-kafa. Nagnatso ny mpanompony ijy ka nampitatagna an-dreo ny hareny. 15Ny raike tamin-dreo nomene talenta dimy, ny raike hafa nomene roa, ary ny raike hafa koja nomene talenta raike. Ny kiraidraike die samby nandray talenta araka ijay fahejany aby, ary nandeha tamin'ny diany ijany lelahy ijany. 16Ny raike ijay naharay talenta dimy die nenga teo no ho eo ka nampiasa an-dreo ka nahajo talenta dimy hafa.17Hôtran'ijay koa ilay raike ijay naharay talenta roa nahajo roa hafa. 18Fa ilay mpanompo raike ijay naharay talenta raike koja, nandeha ka nangady lavake tamin'ny tany, ary nandevigna ny volan'ny tompony.19Ary tafaran'ny fotôgna ela die niverigna ny tompon'ireo mpanompo ireo ary nandamin-draharaha tamin-dreo. 20Niditre ilay mpanompo ijay naharay talenta dimy no sady nitondra talenta dimy hafa. Hoy ijy hoe:" Tompoko nomenao talenta dimy iaho. Indro, nanatombo talenta dimy hafa iaho." 21Hoy ny tompony tamin'ajy hoe:" Tsara ijany, ry mpanompo tsara sady mahatoky! Nahatoky tamin'ny raha vitsivitsy anao. Iaho hampiandrekitra anao amin'ny raha maro. Midira amin'ny fifalian'ny tomponao."22Ilay mpanompo ijay naharay talenta roe die nagnatogna sy nijaka hoe:" Tompoko, nomenao talenta roe aho, indro, nanatombo talenta roe hafa iaho". 23Nijaka an'ajy ny tompony hoe:" Tsara ijany, ry mpanompo tsara sady mahatoky! Nahatoky tamin'ny raha vitsivitsy anao. Iaho hampiandrekitre anao amin'ny raha maro. Midira amin'ny fifalian'ny tomponao."24Avy eo ilay mpanompo ijay naharay talenta raike nagnatogna no sady nijaka hoe:" Tompoko, fantatro fa lehilahy hentitra anao. Mambely egny amin'ijay tsy namafajanao anao, no sady manangom-bokatre egny amin'ijay tsy nambolenao. 25Natahotre iaho, ka nandeha ary nagnavony ny talentanao tao agnaty tany. Jereo, itoy ijay anao."26Ary namaly an'ajy ny tompony ka nagnano tamin'ajy hoe:" Anao ry mpanompo ratsy sady malaigna, fantatrao fa iaho die mambely egne amin'ijay tsy namafajako sy magnangom-bokatre egne amin'ijay tsy namboleko. 27Noho ijany die tokony nomenao ny mpajana-bola ny volako, ka laha nimpody iaho die nandray ny an'ahe miarake amin'ny tombony.28Noho ijany alay agny amin'ajy ny talenta ary omeo ho an'ilay mpanompo ijay managna talenta folo ijany. 29Fa ijay abiaby managna die homena bebe loholoho- mihotre lavitra aja. Fa ho an'ireo ijay tsy managna n'ino n'ino koja, na ijay anagnany aja die ho alaina amin'ajy. 30Ario agny amin'ny menjigna agny ivelany ny mpanompo tsy mendrika, agny no misy ny fitomagniana sy ny fikitroha-nify.31Ka laha avy amin'ny voninahiny ny Janak'olo sy ny anjely abiaby miarake amin'ajy, die hidoboke eo amin'ny seja fiandrianan'ny voninahiny Ijy. 32Ary ny firenena abiaby die hangonina eo anatrehany, ary hagnavaka ny olo raike amin'ny raike hafa Ijy hôtrin'ny mpiandry ondry magnavake ny ondry amin'ny osy. 33Hametrake ny ondriny ho eo an-kavanany ijy, fany osy koja ho eo ankaviane.34Ary ny ampanjaka hijaka amin-dreo ijay eo an-tanana ankavanany hoe: 'Avia anareo ijay notahian'iabako, madovà ny fanjakana ijay efa vôomagna ho anareo fahaela nagnorenana an'ijao tontolo ijao.35 Fa te hinagna Iaho die nomenareo hanigna; maka iaho die nomenareo hinomina; nivahiny Iaho die nampandrosoanareo; 36nijily Iaho die nosikininareo; narary Iaho nisahiragnareo; ary tagny an-dragnomejigna Iaho die nandeha aminahy anareo.'4137Ary ireo marina die hamaly sy hijaka hoe: 'Tompo, ovena ahay no nahita Anao te hinagna ka namahagna Anao? Na maka ka nampinominay? 38Ovena Anao no hitanay nivahiny ka nampandrosoinay? Na nijily ka nosikininay? 39Ovena ahay no nahita Anao narary na tagny an-dragnomejigna ka nandeha agny aminao? 40Ary ny Ampanjaka namaly ka nijaka an-dreo hoe: 'Jakaiko marina aminareo, ijay nataonareo tamin'iregny rahalahiko kely loholoho iregny, die nataonareo tamin'Ahy41Ary ijy hilaja amin'ireo ijay eo ankaviany hoe: 'MIala aminahy, anareo ijay vôojogna, ho agny amin'ny afo mirehitra mandrakijay ijay efa vôomagna ho an'ny devoly sy ireo anjeliny,42 satria te hinagna Iaho, fa tsy nomenareo hanigna; maka Iaho, fa tsy nomenareo hinomina; 43nivahiny Iaho, fa tsy nampandrosoinareo; nijily Iaho, nefa tsy nosikininareo; narary tao an-dragnomejigna Iaho fa tsy nisahiragnanareo.'44Ary die hamaly koa areo ka hijaka hoe: 'Tompo! Ovena ahay no nahita Anao te hinagna, na maka, na nivahiny, na nijily, na narary, na tagny an-dragnomejigna, ka tsy nanompo Anao? 45Ary Ijy hamaly an- dreo ka hijaka hoe: ''Jakaiko marina aminareo, fa ijay tsy nataonareo tamin'iray tamin'ireo madinika ireo, die tsy nataonareo tamin'Ahy.46 'Ireo die halefa ho ao amin'ny fanasajiana mandrakijay fa ireo marina koja ao amin'ny fiaignana mandrakijay.''Chapter 26
1Laha efa vitan'ny Jesôsy ijany tegny amin'ny manontolo tegne, die nijaka tamin'ny mpianane Ijy hoe: 2Fantatrareo fa afaka roa andro die ho avy ny Paska, ary hatolotre ho hombohina amin'ny hajofijalena ny Janak'olo."3Avy teo ny lehiben'ny mpisorona sy ny loholona niara-nivory tao amin'ny lapan'ny mpisorona-be, ijay angihina hoe Kaiafa.4 Niarake nagnano tetike areo mba hisamborana mangina an'i Jesôsy sy hamono Anaje.5 Fa hoy areo hoe: "Tsy amin'ny fety, mba tsy hisien'ny korontagna eo amin'ny olo.6Ary Jesôsy laha efa tao Betania tao andragnon'ny Simona boka,7 laha nipetrake nihinagna teo amin'ny latabatre, die nisy viavy raike nanagna tavoara alabastara fano menaka lafo vidy nagnatogna Anajy, die nararagne tamin'ny lohany ijane.8 Fa laha efa hitan'ny mpianane ijany, die vignitra areo ka nagnano hoe: "Ino no anton'ijao fandanena ijao? 9Afaka namidy lafo ary namena ny mahantra io."10Fa Jesôsy, nahafantratre ijany, nijaka an'dreo hoe: " Nagnino anareo no manahiran-tsaigna an'i raviavy? Fa raha tsara no namboariny taminahe. 11Aminareo mandrakariva ny mahantra, fa Iaho die tsy ho eo aminareo mandrakariva.12Fa laha efa nandraraka ijany menaka magnitra ijany tamin'ny vatako ijy, die nataony ho amin'ny fandevegnana Anahy ijany.13 Lajaiko marina aminareo, n'ija n'ija hitirena ny filajantsara eto amin'ijao tontolo manontolo ijao, ijay nataon'itoy viavy toy die lajaina mandy koa ho fahatserovana anajy."14Avy teo raike tamin'ny rômbifolo, ijay nangihina hoe Jodasy Iskariota, nandeha agny amin'ny lehiben'ny mpisorona15 ary nagnano hoe:"Omenareo hôtrino iaho hanolorako Anajy aminareo?" Nandanja volafotsy madinika telopolo areo hôn'aje.16 Tamin'ijany fotoagna ijany die nitady fahafahana ijy mba hanolorana Anajy amin'dreo.17Tamin'ny andro vôlohan'ny mofo tsy misy lalivay die nagnatogna an'i Jasôsy ny mpianatra ka nijaka hoe: "Aja ny tienao hagnomananay hônao hihinana ny sakafo paska?"18 Namaly Ijy hoe: "Midira ao an-tanàna misy lelahy raike ary lajao ijy hoe: 'Hoy ny mpampianatra hoe: "Efa akeke ny fotôgnako. Ato andragnonao Iaho ny hanao ny paska miaraka amin'ny mpianatrako.'''''19 Nataon'ny mpianatre arak'ijay nandidien'i Jesôsy ijane, ary nagnomagna ny sakafon'ny paska areo.20Laha efa tonga ny hariva, die nipetraka nihinagna niarake tamin'ny mpianatra rômbifolo Ijy. 21Laha efa nihinagna areo, die hoy Ijy hoe: "Lajaiko marina aminareo fa misy raika aminareo hamadika Anahe." 22Nalahelo areo ary nanomboka nagnotany Anajy ny tsiraidraike hoe: " Tsy hoaho mihintsy, ry Tompo?"23Namaly Ijy hoe: "Ijay niara-nagnatsoboka ny tagnany taminahe tao agnaty lovia no ny raike hamadika Anahe. 24Handeha ny Jana'olo, araka ijay efa vôsoratra momba Anaje. Nefa lojan'ny olo ijay hamadike ny Janak'Olo! Tsara kokoa ho an'ijany olo ijany no tsy teraka mihintsy. " 25Jodasy, ijay hamadika Anajy no nijaka hoe: " Iaho ve jane, Raby o? Hoy Ijy taminajy hoe: "Vôlajanao."26Laha mbola nihinagna areo, die nangala ny mofo Jesôsy, nisaotra ary nanapaka ijany. Nameny ny mpianatra ijany ary nijaka hoe: "Reso, hoano. Itoy ny vatako."27Nandray ny kapôke Ijy ary nisaotre, ary nagnome ijany an'dreo ka nijaka hoe: "Anareo manontolo, nomy toy.28 Fa itoy ny ràn'ny fanekem-pihavanana arotsaka hoan'ny maro ho famelan-keloka. 29Fa jakaiko aminareo, Fa tsy mba hinogna ny vokatrin'ny voaloboka koa Iaho, mandram-peven'ny fisotrôna vaovao herahako aminareo agny amin'ny fanjakan'ny Raiko."30Laha efa nihira hira fiderana areo, die nandeha tagny amin'ny tendrombohitr'i Oliva.31 Avy teo hoy Jesôsy tamin'dreo hoe: "Anareo aby daholo die handao Anahy noho ny Aminahy androany aligna, fa vôsoratra hoe: 'Hamely ny mpiandry ondry Iaho die hiparitaka ny ondry.'32 Fa afaran'ny fitsanganako amin'ny mate, die heloha lalagna anareo agny Galilia.33Fa petera nagnano taminajy hoe: "Na die handao nohon'ny aminao ny manotolo, iaho tsy mba handao anao mihintsy."34 Hoy Jesôsy taminajy hoe: "Lajaiko marina aminao, fa androany aligna raha mbola tsy magneno akoho, die handà Anahy intelo anao."35 Petera nijaka taminajy hoe: "Na die tsy mentsy ho faty miaraka Aminao aja iaho, die tsy handà Anao." Hôtran'ijany aby ny nijakain'ny mpianatra hafa.36Ary Jesôsy nandeha niaraka tamin'dreo nandeha agny amin'ny toerana angihina hoe Getsemane ary nilaja tamin'ny mpiananehoe: "Mipitraha eto laha bola handeha erôy hivavaka Iaho." 37Nitondra an'i Petera mbamin'ny zanak'i Zebedio rôlahy Ijy ary nanomboka nalahelo sy ory. 38Avy teo hoy Ijy tamin'dreo hoe: "Fadiranovana ny fagnahiko, hôtrany efa ho fate. Mipitraha eto ary mihambena miaraka aminahe."39Nisitaka kely Ijy, nenkohoke ary nivavake. Hoy ijy hoe: "Ry raiko, laha ajo atao, die ôka hesorina aminahe itoy kapôka itoy. Nefa, ôka tsy arakin'ny sitrapoko, fa ny sitraponao." 40Nagnatogna ny mpianatra Ijy ary nahita an'dreo resintory, ka hoy Ijy tamin'i Petera hoe: "Ino, tsy mahavita miamigna miaraka Aminahe na die lera raike aja ve anareo?41 Membena ary mivavaha mba tsy hoajon'ny fankam-panahy anareo. Mety mandy ny fagnahy, fa ny nofo ny maleme."42Mbola nandeha fagnindroany Ijy ary nivavake. Hoy Ijy hoe: "Ry Raiko, laha hôtra tsy ajo alaina aminahe itoy laha tsy misotro Iaho, die hatao anie ny sitraponao."43 Nipody ndraike Ijy ary mbola nahita an'dreo natory, fa navesatra ny mason'dreo. 44Ka nandao an'dreo ndraika Ijy, lasa ary nivavaka fagnitelone, nilaja ny teny io mandy.45Avy teo Jesôsy nagnatogna ny mpianatra ka nagnano tamin'dreo hoe: "Bola mandry sy miala vijake ve anareo? Jahao, efa mariny ny lera, ary ny Janak'Olo die hatolotra eo antanan'ny mpanota.46 Mitsangàna, andeha antsena, Jahao, efa mariny ny hamadike Anahe."47Raha bola nijaka Ijy, die tonga Jodasy, raike amin'ny rômbifolo. Nisy vahôka maro tonga niarake taminajy avy amin'ny lehiben'ny mpisorona sy ny loholona. Tonga niaraka tamin'ny sabatra sy langilangy areo. 48Ary nagnome famantarana an'dreo ny lelahy hamadika an'i Jesôsy, magnano hoe: "Ijay horohako no Ijy. Sambory Ijy."49Teo no ho eo mandy die nagnatogna an'i Jesôsy ijy ary nagnano hoe: "Finaritra Raby!" Ary nagnoroka Anajy ijy. 50Hoy Jesôsy taminajy hoe: "Ry sakeja atôvy ijay nandihananao eto." Avy teo tonga areo, Naninjitra tagnana tamin'ny Jesôsy, ary nanambotre Anajy.51Kay, raike tamin'ny niaraka tamin'i Jesôsy naninjitre ny tagnane, nagnatsôke ny sabany, nikapa ny mpanompon'ny mpisorona-be ary nahatapake ny sofigne. 52Avy teo hoy Jesôsy taminajy hoe: "Ampodio amin'ny pilasine ny sabatrao, fa ireo ijay mandray sabatra die ho vonoina amin'ny sabatra.53 Meritreritra ijany anareo fa tsy afaka mangaika ny Raiko Iaho, ary Ijy die afaka mandefa ho Anahy tafik'Anjely mihôtra nohon'ny rômbifolo? 54Fa hatao akory ijany no hahatanteraka ny Soratra Masina, ijay milaja fa tsy maintsy hitranga ijane?"55Tamin'ijany andro ijany Jesôsy nijaka tamin'ny vahôka hoe: "Tonga miaraka amin'ny sabatra sy langilangy hanambotra Anahy hôtrany jiolahy ve anareo? Isan'andro die nampianatre teo amin'ny tempoly Iaho, fa tsy nosamborinareo.56 Fa ijany rehetra ijany die nitranga mba hahatanteraka ijay vôsoratrin'ny mpaminagny. " Avy teo nandao Anajy ny mpianatra manontolo ka nilefa.57Nindôsin'dreo nanambotra Anajy tagny amin'ny Kaiafa mpisoronabe Jesôsy, ijay nivoren'ny mpanora-dalana sy loholona.58 Fa Petera nagnaraka Anajy avy egny alavitra nandeha agny amin'ny kianjan'ny mpisorona-be. Niditra tao agnatiny ijy ary nipetraka niaraka tamin'ny mpiandry raharaha mba hahita ijay hiafarane.59Ary ny lehiben'ny mpisorona sy ny Synedriona manontolo die nitady fepangana tsy marina nanohitra an'i Jesôsy, mba mety hahafahan'dreo mamono an'Anaje.60 Tsy nahita n'ino n'ino areo, na die nisy mpijoro vavolombelogna maro tsy marina tonga aja teo. Ary kelikely avy teo die nisy roa tonga nagnatogna teo 61ary nijaka hoe:"Io lelahy io die nijaka hoe: 'Afaka mandrava ny Tempolin'Andriamanitra Iaho ary manangagna ijany koa afaka telo andro."'62Nitsangagna ny mpisorona-be ka nagnano tamin'Ajy hoe: "Tsy managna havaly ve anao? Ino ijany no empangan'dreo Anao ijany? " 63Fa nangigna Jesôsy. Hoy ny mpisorona-be taminajy hoe: "Mandidy Anao amin'ny alalan'Andriamanitra velogna iaho, jakay aminay laha Anao no Kristy, Janak'Andriamanitra."64 Jesôsy namaly hoe: "Vôlajanao. Fa lajaiko aminareo, manomboka iajao die ho hitanareo ny Janak'Olo hipetraka eo an-tanakavavanan'ny Hery, ary ho tonga eo amin'ny rahon'ny lanitra."65Avy teo ny mpisorona-be nandrota ny ankanjony ary nilaja hoe: "Nijaka ratsy Ijy! Nagnino antsena no bola mila mpijoro vavolombelogna? Ary, regninareo ny fijakana ratsy jao. 66Ino hevitrareo?" Namaly areo ary nagnano hoe: "Mendrika ho faty Ijy."67Avy teo areo nandrora ny vatagne sy namioke Anajy, ary namely tefake Anajy, 68ary nagnano hoe: "Maminania aminay, ry Kristy. Ija no namely Anao?"69Ary Petera nipetraka ivelan'ny kianja, ary nisy mpanompo vavy tonga nagnatogna Anajy nijaka hoe: "Anao mandy koa niaraka tamin'ny Jesôsin'i Galilia."70 Fa nandà ijany teo alohan'dreo ijy, magnano hoe: "Tsy fantako ijay resahinareo."71Laha efa nivôka ny vavahady ijy, die nisy mpanompo viavy hafa nahita anajy ary nijaka tamin'ireo ijay teo hoe: "Itoy lelahy itoy mandy koa die niaraka tamin'i Jesôsy avy agny Nazareta.72 Mbola nandà mandy ijy niaraka tamin'ny fianianana hoe:" Tsy fantatro ijany lelahy ijany!"73Laha afaka kelikely die nagnatogna areo ijay nitsangagna teo ary nijaka tamin'ny Petera hoe: "Anao mandy koa die tena raike amin'dreo io, fa ny fomba firesakao die mepanga anao, " 74Avy teo ijy die nanomboka nagnojogna sy niniana ka nagnano hoe: " Tsy fantatro ijany lelahy ijany." Ary teo no ho eo die nagneno ny akoho.75 Tsarôn'ny Petera ny jaka nambaran'i Jesôsy hoe: "Bola tsy magneno ny akoho die handà Anahy intelo anao. " Avy teo ijy nivôka ary nitagny fatratre.Chapter 27
1Ary laha efa avy ny maraigna, die nitetike hanohitra an'i Jesôsy mba hamono An-dreo lehiben'ny mpisorogna sy ny loholona manontolo. 2Areo namatotre Anajy, nitarika Anajy tagny ivelane, ary nanolotra Anajy tamin'i Pilato governora.3Ary Jodasy, ilay namadike Anajy, laha efa nahita fa vôheloka Jesôsy, die nibebake ijy ary namerigna ireo volafotsy telopolo tamin'ireo lehiben'ny mpisorogna sy ireo loholona, ary namerigna ny volafotsy telopolo tamin'ny lehiben'ny mpisorogna sy ny loholona, 4ary nijaka hoe: "Nanota iaho tamin'ny namadihako rà tsy manan-tsigny." Fa areo nijaka hoe: " Ahônay ino? Anao ijane." 5Die natily tao am-pengonana ny volafotsy, ary nienga, sy nivôke ary nagnatogna ny tegnany Ijy.6Ny lehiben'ny mpisorogna nangala ireo volafotsy ary nijaka hoe: "Tsy ara-dalàna ny mametrake ity ao amin'ny fitehirijam-bola, satria ity die vidin-drà. " 7Niara-niresake ny olagna areo ary nivanga ny sahan'ny mpanao vilagny tanimanga ijay handevegnana ny vahiny tamin'ny vola.8 Ary ijany no antone nagnantsovana ijany saha ijany hoe: "Sahan'ny Rà" hatramin'ijao.9Ary die tanteraka ijany vôlaja tamin'ny mpaminagny Jeremia, magnano hoe: "Nangala ny volafotsy telopolo areo, vanga nanombagnan'ny vahôkan'Israely Anajy, 10ary areo nagnome ijany ho an'ny sahan'ny mpanao vilagny tanimanga, araka ny natoron'ny Tompo anahe."11Ary Jesôsy nijoro teo alohan'ny governora, ary ny governora nagnotany Anajy hoe, "Anao ve no mpanjakan'ny Jiosy?" Jesôsy namaly anajy hoe: "Vôlajanao." 12Fa laha efa nampangain'ny lehiben'ny mpisorogna sy ireo loholona Ijy, die tsy namaly n'ino n'ino. 13Die nijaka taminajy Pilato hoe: "Tsy regninareo ve ny fepangana rehetre atao aminao?" 14Fa tsy namaly na die teny raike aja Ijy, jendagna tanterake noho ijany ny governora.15Ary isakin'ny fifalefalena die fomban'ny governora ny mamotsotra gadra raike vôfidin'ny vahôke.16 Tamin'io fotôgna io, nanagna gadra malaja ratsy antsovana hoe Barnabasy areo.17Noho ijane laha efa niara-niangona areo, die hoy Pilato tamin-dreo hoe: "Ija no tienareo halefako hônareo? Barnabasy, sa Jesôsy ijay angehina hoe Kristy?" 18Fantany fa nohon'ny felognana no nanoloran'dreo an'i Jesôsy taminaje.19 Laha nipetrake teo amin'ny seja fitsarana ijy, die nandefa teny taminaje ny vadine ary nagnano hoe: "Tsy managna n'ino n'ino atao amitoy lelahy tsy mana-tsigny toy aho. Fa ory lôtre iaho androany nohon'ny nofy ajoko momba Anaje."20Ary ny lehiben'ny mpisorogna sy ny loholona nandresy lahatra ny vahôke mba hangatake an'i Barnabasy, ary hampamono an'i Jesôsy. 21Nagnotane andreo ny Governora hoe: "Ija amin'ijy roe no tienareo halefako hônareo?" Hoy areo hoe: "Barnabasy." 22Pilato nijaka tamin'dreo hoe: "Ino no tokony ataoko amin'ny Jesôsy ijay angehina hoe Kristy?" Ijy rehetre namaly hoe: "Fantsiho amin'ny hajofijaliana Ijy."23Die hoy Ijy hoe: "Nagnino, ino no heloka namboarine? "Fa vô maike areo nihekeka mahare hoe: " Fantsiho amin'ny hajofijalena Ijy." 24Fa laha efa hitan'i Pilato fa tsy afaka hanao n'ino n'ino ijy, kanefa efa nanomboke ny tabataba, die nangala rano ijy, nanasa ny tanagne talohan'ny vahôke, ary nagnano hoe: "Tsy manan-tsigny amin'ny ràn'itoy lelahy tsy manan-tsigny itoy aho. Fa asanareo ijane."25Ny olo manontolo nijaka hoe: ''Hôminay sy ny janakay anie ny ràne." 26Die nalefane hôndreo i Barnabasy, fa namely karavasy an'i Jesôsy ijy ary nanolotre Anajy ho fantsihina.27Avy teo ny miaramilan'ny governora nangala an'i Jesôsyhandeha ao an-dapa ary namory ny vondrogna miaramila daholo. 28Nangala ny fitafena areo ary nampanao akanjo jaky Anaje.29 Nagnambôtre satro-boninahitre tsilo areo ary nametrake anijay tan-dohane, ary nametrake tehigna tamin'ny tagnane ankavanana. Nandohalike tanatrehane areo sady nagneso Anaje,nagnano hoe: "Arabaina, ry mpanjakan'ny Jiosy!"30Nandroran'dreo Ijy, ary nalain'dreo ny tehigna die nifihina Anaje maro be tamin'ny lohane.31 Laha efa avy nagneso Anaje areo, die nangala ny akanjo lavane ary nampanôvina Anaje ny fitafene, ary nitondra Anaje nivoke mba hamantsike Anajy amin'ny hajofijalena.32Laha efa nivôke areo, die nahita lelahy raike avy agny Syrena antsovana hoe Simona, ijay noterrn'dreo hiarake amin'dreo mba hampilanjaina ny hajofijalene. 33Nandeha amin'ny toerana antsovana hoe Golgota areo, ijay midika hoe "Toeran'ny Karandoha." 34Namen'dreo divay mifangaro amin'ny afero Ijy mba ho sotroina. Fa laha efa nandramane ijany, die tsy nisotro Ijy.35Laha efa nofantsihin'dreo tamin'ny hajofijalena Ijy, die nataon'dreo loka ny fijarana ny fitafene,36 ka nipetrake areo ary nijanogna niambigna Anaje. 37Tambonin'ny lohane no nametrahan'dreo soratre milaja hoe: "Itoy no Jesôsy, mpanjakan'ny Jiosy."38Nisy jiolahy roe nofantsihina niarake taminaje, ny raike tankavanane ary raike tankavia. 39Ijay nandalo die nanevateva Anaje, Nanivingivigna ny lohan'dreo 40ary nagnano hoe "Anao ijay handrava ny fengonana ary hagnambôtre ijany ndraike ao agnatin'ny telo andro, vonjeo ny tegnanao! Laha Anao no Janak'Andriamanitra, midignà avy egny amin'ny hajofijalena!"41Hôtran'ijany koa ny lehiben'ny mpisorogna nagneso Anaje, niarake tamin'ny mpanora-dalàna sy ny loholona, ary nijaka hoe: 42"Nagnavotre ny hafa Ijy, fa tsy afake magnavotre ny tegnany. Ijy no mpanjakan'Israely. Avilao Ijy hidigna egny amin'ny hajofijalena, ary die hino Anaje antsena.43Natoky an'Andriamanitre Ijy, avilao Andriamanitre hamonjy Anajy ijao, laha mankasitrake ny hagnafaka Anajy Andriamanitre. Fa na Ijy aja die nijaka hoe:' Iaho no Janak'Andriamanitre."' 44Hôtran'ijany koa ny jiolahy ijay nofantsihina niaraka taminajy nijaka fanevatevana taminajy mandy koa.45Ary nanomboka tamin'ny ora fahaenina die nandrakotre ny tany manontolo ny hejigna ka hatramin'ny ora fahasivy.46 Teo amin'ny ora fahasivy, die nihieka tamin'ny feo mafy Jesôsy ary nagnano hoe: "Ely, Ely, lamà sabaktani?" Ijay midika hoe: "Andriamanitro, Andriamanitro, nagnino no nandao Anahy Anao?" 47Laha efa regnin'ny saragne tamin'ny ijay nitsangagna teo ijany, die hoy areo: "Mangaike an'i Elia Ijy."48Teo no ho eo die nihajakajaka ny raike tamin'dreo ary nangala spaonjy, namonto ijany tamin'ny vinaingitre, nametrake ijany tamin'ny tohitohigna bararata, ary nagnome ijany Anajy mba hosotroina.49 Ny saragne tamin'dreo nijaka hoe: "Avilao Ijy. Hitantsena eo laha ho tonga hamonjy Anajy Elia."50 Die nihieka tamin'ny feo mafy ndraike Jesôsy ary nanolotre ny fagnahine.51Kay, ny lamban'ny fengonana nitriatra roe avy hatagny ambone ka hatagny ambane, ary nihorohoro ny tany, ary vaky nisasaka ny vatolampy. 52Nisokatre ny fasagna, ary ny fatin'ny olon'Andriamanitra maro ijay nodimandre die natsangagna. 53Areo die nivôka avy tao amin'ny fasagnatafaran'ny fitsanganany tamin'ny mate, niditre ny tanàna masina, ary niseho tamin'ny maro.54Ary ny kapiteny sy ijay nijaha an'i Jesôsy laha efa nahita ny horohoron-tany sy ny java-niseho, die lasa nangoaigna mafy ary nagnano hoe: "Janak'Andriamanitra marina itoy."55 Nisy viavy maro ijay nagnarake an'i Jesôsy hatagny Galilia mba hikarakara Anajy teo nijaha avy egny alavitre. 56Tamin'dreo Maria Magdalena, Maria endrin'ny Jakoba sy Josefa, ary ny endrin'ny janakalahin'i Zebedio.57Laha efa hariva ny andro, die nisy lelahy raike manan-karena avy agny Armatia tonga, antsovana hoe Josefa, ijay mpianatr'i Jesôsy mandy koa. 58Nagnatogna an'i Pilato ijy ary nangataka ny fatin'ny Jesôsy. Die nibekon'i Pilato omena anajy ijany.59Nangala ny faty Josefa, namono ijany tamin'ny lamba rongony madio, 60ary nampandry ijany tamin'ny fasagne vaovao ijay nolavahane tamin'ny vatolampy. Die nagnakodia vato lehibe hanohigna ny varavaran'ny fasagna ijy ary nivôke. 61Maria Magdalena sy ny Maria hafa die teo, nipetraka teo agnidran'ny fasagna.62Ny andro magnaraka, ijay andro afaran'ny fagnomana, die niara-niangogna tamin'i Pilato ny lehiben'ny mpisorogna sy ny Fariseo.63 Hoy areo hoe: "Tompoko, tadidinay fa tamin'ny mbola velogna igny mpamitaka igny, die hoy Ijy hoe: 'Afaran'ny telo andro, die hitsangagna koa Iaho.'64 Ka noho ijany, mandidia mba ho ambenana ny fasagna hatramin'ny andro fahatelo, laha tsy ijany ny mpianany mety ho avy ary hangalatra Anajy die hijaka amin'ny olo hoe: 'Nitsangagna tamin'ny maty Ijy', ary ny fitaka farany die ho ratsy noho ny tamin'ny vôlohane."65Hoy Pilato tamin'dreo hoe: "Mangala mpiambigna. Mandihana ary ambeno tsara araka ijay vitanareo ijany." 66Die nandeha areo ary niambigna ny fasagna, nagnisy tombo-kase ny vato ary nametrake ny mpiambigna.Chapter 28
1Ary tamin'ny alignan'ny Sabata, laha vô nanomboke najava-ratsy ny andro vôlohany amin'ny herignandro, die nienga nandeha nijery ny kobory Maria Magdalena sy ilay Maria raike hafa. 2Indro, nisy horohoro-tany be, fa ny anjelin'ny Tompo no nidigna avy agne an-dagnitre, avy ary nanosike ny vato, ka nitoboke teo ambonin'ijane.3Ny endrikane die hôtran'ny tselatre, ary ny akanjone die fotsy hôtran'ny oram-panala.4 Reki-tahotre ireo mpiambigna ka nanjary hôtran'ny lelahy maty.5Nivoria tamin'ireo viave ilay anjely ary nijaka tamin-dreo hoe: "Aja matahotre, fantatro fa mandremby an'i Jesôsy anareo, ilay nifantsihana tamin'ny hajofijaliana. 6Tsy ato Ijy, fa efa nitsangagna, araka ny efa nivorianine. Avia jahay ny toerana ijay natorian'ny Tompo. 7Mandihana malaky ary jakay ireo mpianatrane hoe: "Nitsangagna tamin'ny mate Ijy. Indro, efa nandeha nelohake anareo agny Galilea Ijy. Agne no hahitanareo an'Aje." Indro, efa nivorianiko taminareo."8Nandao nalaky ny kobory tamin-tahotre sy tamin'ny hafaliena makadiry ireo viave, ary nihajakajake mba hijaka ireo mpianatrane. 9Indro, nihaogna tamin-dreo Jesôsy ary nijaka hoe: "Akory aby! Nagnantogna ireo viave, nitagna ny hongone ary nidera an'Aje.10 Ary avy teo Jesôsy nijaka tamin-dreo hoe: "Aja matahotre. Mandihana mijaka amin'ireo rahalahiko mba hienga ka hegnagne Galilia. Agne no hahitan-dreo an'Ahe."11Ary laha mbola igny nandeha igny ireo viave, igne, ny saragne tamin'ireo mpiambigna negnagne amin'ny tanàn-dehibe ary nijaka tamin'ny lohan'ny mpisorona ny raha abiaby ijay niseho. 12Laha nihaogna tamin'ireo loholona ny mpisorona ary nivoria mahakasikan'ny olagna tamin-dreo, die nagnome vola be an'ireo miaramila areo13 ary nijaka an-dreo hoe: "Jakay amin'ireo hafa hoe: "Avy tamin'ny andro aligna ireo mpianatr'i Jesôsy ary nangalatra ny vatagne laha mbola nandre ahay."14Laha avy agny amin'ny governora ijane tatitra ijane, die handresy lahatre an'aje antsena ary hangala ny ahiahy aminareo.'' 15Ary die nalain'ny miaramila ny vola ary nagnano araka ijay efa nivorianine an'aje areo. Ary ijane tatitra ijane die niparitake teo amin'ireo Jiosy ary mitohy mandrak'androany aja.16Fa negnagne Galilea ireo mpianatra raikambifolo, tagne amin'ny tendrombohitre ijay efa natoron'i Jesôsy an-dreo. 17Laha nahita an'Aje areo, die nidera an'aje, fa ny saragne koja nagnahiahy.18Nagnantogna an-dreo Jesôsy ka nivoria tamin-dreo ary nijaka hoe: "Efa nomena an'Ahe ny fahefana abiaby agne an-dagnitre sy etiky an-tane. 19Ka mandihana ary atôvy majary mpianatrako ny firenena abiaby. Atôvy batisa areo amin'ny agnaran'Iaba, ny Janaka, ary Fanahy Masina.20Ampenaro areo hankatò ny raha abiaby ijay nandidiako anareo. Igne, miaraka aminareo fehijay Iaho, ieke fa na hatramin'ny fefaran'ijao tontolo ijao aja."Mark
Chapter 1
1Itoy ny fetombohan'ny filajantsaran'i Jesôsy kristy, ilay janak'Andriamanitra. 2Arak'ijay vôsoratra ao amin'Isaia Mpaminany hoe: "Igny,iaho magniraka ny irako heloha anao, ilay raika hambôtre ny lalagnanao. 3Misy feo , regny mangaika mahare agny an'efitra hoe: "Atôvy vognona ny lalagn'i Tompo, atôvy mahitsy ny lalan-kombane."4Avy Jaona, ngnano batisa tagny an'efitra sady nitory ny batisan'ny fibebahana,hômin'ny famelan-keloka nohon'ny ota. 5Ny tanin'ny jodia abiaby sy ny mponina abiaby ao Jerosalema die nagnantogna an'aje. Natane batisa tao amin'ny onin'i Jordana areo, laha nagneky ny fahotane. 6Jaona die nagnano akanjo volon-drameva sady nagnano fehikibo hoditre teo am-baniane, die ampanga sy tintely remby no nohanine.7Nagnatoro ijy hoe: "Misy raike ho avy afarako ijay matanjaka mihôtra an'ahe, ary tsy mendrika iaho na die ny hamaha ny tadin-kapane aja. 8Iaho nagnano batisa anareo tamin'ny rano, fa izy koja hagnano batisa anareo amin'ny Fanahy Masina."9Tamin'ireo andro nevian'i Jesôsy avy agny Nazareta tao Galilia no nitranga ijany, ary natan'i Jaona batisa tao amin'ny onin'i Jordana Ijy. 10Laha vô nisandratre ny rano i Jesôsy, die hitany nivoha ny lagnitre, ary nijotso teo amin'Aje hôtran'ny voromamanga ny Fagnahy. 11Ary nisy feo avy tagny an-dagnitre nagnano hoe: "Anao no Janako malalako. Anao no sitrako."12Avy eo die nindôsin'ny Fagnahy ho agny an'efitra i Jesôsy. 13Efapolo andro Ijy no tagny an'efitre, nalain'ny satana fagnahy. Nitoboka niaraka tamin'ny bibidia Ijy, ary nanompo an'Ajy ireo anjely.14Ary laha vôsambotre Jaona, die avy tao Galilia Jesôsy nagnambara ny filajantsaran'Andriamanitra, 15ary nijaka hoe: "efa avy ny fotôgna, sady efa mariny ny fanjakan'Andriamanitra. Mibebaha die minoa ny filajantsara."16Laha nandeha tegny amoron-dranomasin'ny Galilia Ijy, die nahita an'i Simona sy Andrea rahalahin'i Simona nagnarato, satria mpagnarato areo.17 Hoy Jesôsy tamin-dreo hoe: "Andao, magnaraha an'Ahy, fa atako mpagnarato olo anareo." 18Vetivety teo die nagnavela ny harato areo die nagnaraka an'Aje.19Laha nandeha lavidavitre Jesôsy, die nahita an'i Jakoba janak'i Zebedio sy Jaona rahalahine; ijay tao an-tsambokely nambôtre ny harato.20 Nangaika andreo Ijy ka die nilôjany tao an-sambokely avy hatrany Zebedio iabane niaraka tamin'ireo mpikarama, ka nagnaraka an'Ajy areo.21Avy eo die avy tao Kapernaomy areo, ary tamin'ny andro Sabata, die niditre tao amin'ny synagoga Jesôsy ary nampianatre.22 Jendagna tamin'ny fampianarane areo, satria nampianatra an-dreo hôtran'ny olo managna fahefana Ijy fa tsy hôtran'ireo mpanora-dalàna.23Avy eo nisy lelahy raike tao amin'ny synagogan-dreo, ijay nisy fagnahy maloto nirijatra mafy, 24nagnano hoe: "Ino moa no hifandresanay aminao, ry Jesôsy avy agny Nazareta? Avy hanimba anay ve anao? Fantako hoe ija anao. Anao ilay masin'Andriamanitra!" 25 Nijaka mahare ny demonia Jesôsy ka nagnano hoe: Mandregnina die mivoaha amin'aje!" 26Ary ilay fagnahy maloto nandavo an'ajy sady nivôka tamin'aje ka nangaika tamin'ny feo mahare.27Jendagna ny olo abiaby, ka nifagnontany areo hoe: "Ino itoy? Fampenarana vaoavao misy fahefana? Bekoine na die ireo fagnahy maloto aja die magneke anajy areo!" 28Ny vaoavao mahakasika an'Ajy die niboely tegny abiaby tegny tao amin'ny faritr'i Galilia ray manontolo.29Laha avy nibôke ny synagoga, die tonga tandragnon'i Simona sy Andrea areo, niaraka tamin'ny Jakoba sy Jaona. 30Ary ny rafojam-bavin'i Simona natory voan'ny tajo, ka nijakain-dreo an'i Jesosy ny momba an'aje. 31Die nagnantogna Ijy, ka nandray an'ajy tamin'ny tagnane, die nagnarigna an'aje; die afaka ny tajone, ary nanomboka nanompo an'Ajy areo.32Tamin'io sondrogn'andro io, tafaran'ny fodian'ny masoandro, die nindôsin-dreo teo amin'Aje ijay narary na misy demonia. 33Tafangogna niaraka teo ambaravaragna ny tao an-tanàna abiaby. 34Nagnasitragna olo maro ijay nararin'ny aretigna sambihafa Ijy sady nandrôke demonia maro, fa tsy navelany hijaka ireo demonia satria nahalala an'Aje areo.35Nifoha maraigna be Ijy, laha mbola mejigna ny andro; nenga teo Ijy die nandeha tagny amin'ny toerana mitokagna ary teo Ijy no nivavake. 36Nandrembe an'Ajy Simona sy ireo ijay niaraka tamin'Aje. 37Nahita an'Ajy areo ary nijaka tamin'Ajy hoe: "mandrembe anao ny olo abiaby. "38Hoy ijy hoe: "Andao antsena ho agny amin'ny toeran-kafa, agny ivelany ao amin'ireo tanana hafa magnodidigna, mba hahafahako mitory teny agny koa. Fa ijany no antony niboahako tatoy."39 Die nitety an'i Galilia manontolo Ijy, nitory teny tao amin'ny synagogan-dreo sady nandrôka demonia rahabe.40Nisy boka raike avy tamin'Ajy teo. Nitaraigna taminajy ijy; nandohalike tamin'Ajy teo sady nijaka tamin'Ajy hoe: "Laha sitrakao, die afaka magnadio an'ahe anao." 41Nalahelo an'ajy, die nagnitsy ny tagnany Jesôsy ary nitsamo an'aje, nijaka tamin'ajy hoe: "Sitrako. Madiova anao." 42Nenga tamin'Ajy eo no ho eo ny habokane, ary nadio ijy.43Namepetra an'ajy mafy Jesôsy die nadefa an'ajy. 44Hoy Ijy tamin'ajy hoe: "Tandremo tsy hijaka n'ino n'ino amin'ija na amin'ija anao, fa mandihana, atoroy amin'ny mpisorona ny tegnanao, ary manôva fagnatitra nohon'ny fagnadiovana anao araka ny nandidian'i Mosesy anao,mba ho fijorôna vavolombelogna ho an-dreo."45Die nibôke ijy ary nanomboka nijaka tamin'olo abiaby sy nagnely lôtra ny teny ka die tsy afaka niditre an-kalalahana tagny amin'ny tanàna abiaby koa Jesôsy. Ka nipetraka tagny ivelany tagny amin'ny toerana mitokagna Ijy ary nagnantogana an'Ajy ny olo avy amin'ny toerana abiaby.Chapter 2
1Laha nipody tagny Kaperinaomy Ijy afake andro vitsivitsy; die raha tao andragno Ijy.2 Be tokotre ny olo nivotrovotro teo kay ka tsy nisy fitobohana koa. Na die ny ambarangaragna aja, ary nijaka tamin'dreo Jesôsy.3Die nisy lelahy rahabe nagnatogna Anaje jay nitondra lelahy maleme raike; ijay nitakonan''olo efad'ahy.4 Laha tsy afake nagnatogna Anaje mariny areo nohon'ny hamarôn'ny fokon'olo, dia nongotan'dreo ny tafo-tragno ijay teo ambonin'i Jesôsy, die laha vôongotran-dreo, die najotsondreo ny fandrena ijay nandren'ilay lelahy malemy.5Laha nahita ny finoandreo, die hoy Jesôsy tamin,ny lelahy maleme hoe:'' Anake vôvela ny helokao.6 '' Die nisy saragne tamindreo mpanoradalana nitoboke teo, die nimenimenigna tampondreo hoe:7 '' Ahôna no ajahôn'io lelahy io mijaka hotran'jay? Mijaka ratsy Ijy! Fa tsy Andriamanitra rerike mandy ve no afake mamela heloke?8Fa Jesôsy nahafantatre sahady tao amin'ny fagnahiny ny raha nieritreretindreo.Die hoy ijy tamin'dreo hoe:'' Nagnino anareo no mieritreritre ijao raha jao ao am-ponareo?9 Ino no moramora kokoa ny mijaka an'ilay lelahy maleme hoe: 'Vôvela ny helokao ' sa ve hoe :'Merena, ingao ny fandrenao, die mandihana?10Fa mba hahafantaranareo fa managna fahefana hamela heloka etoy an-tany ny janak'olo, '' Hoy Ijy tamin'ny lelahy maleme hoe: 11''Jakaiko aminao, mievota, ingao ny fandrenao, die madihana agny andragnonao.12 Die niavotre ijy ka nagnenga ny fandrene avy hatragny, ary nivôke an'ilay tragno agnatrehan'ny abiaby, ka die jendagna ijy dahôlo ka nagnome voninahitre an'Andriamanitre, die hoy areo hoe : ''Tsy mbola nahita raha hôtran'toy ahay.13Avy eo nivoke teo amoron-dranomasina indraike Ijy, die nagnotagna anajy aby ny fokon'olo, die nampenarine andreo.14 Ary laha nandalo Ijy, die nahita an'Levy janak'i Alfeo nitoboke teo amin'ny toerana famorena hetre die hoy Ijy taminy hoe : ''Magnaraha anahe.'' Die niavotra ijy ka nagnarake Anaje.15Nihinagna tao andragnon'i Levy Jesôsy ary mpamory hetra sy ny olo mpagnota rahabe no niaranihinagna taminy sy ireo mpianany, fa rahabe areo no tao die nagnarake an'Ajy.16 Ndre areo mpanoradalana, jay Fariseo, laha nahita an'i Jesôsy niaranihinagna tamin'reo olo mpanota sy reo mpamory hetre, die nagnotany ny mpianany hoe:'' Nagnino ijy miara mihinagna amin'ny mpamory hetre sy olo mpagnota?''17Raha naharegny an'jay Jesôsy die hoy Ijy tamin'dreo hoe: ''Tsy ny salama no mila mpitsabo; fa ijay marare rery mandy no mila ijany. Tsy avy hangaike ny olo-marina iaho, fa ny mpagnota.''18Die nifady hanina areo mpianatr'i Jaona sy ireo Fariseo. Lelahy rahabe no nagnatogna anaje ka nijaka tamin'ajy hoe: ''Nagnino ny mpianatr'i Jaona sy ny mpinatr'ireo Fariseo no mifady hanina, fa ny mpianatrao koja tsy mba mifady?'' 19die hoy Jesôsy tamin-dreo hoe: ''Afake mifady hanina ve ny mpagnatrike ny fampekarana laha mbola eo ny mpampiakatre? Laha mbola miarake amin'ajy ireo eo ny mpampiakatre, die tsy afake mifady hanina ijy ireo.20Ho avy ny andro hangalana ny mpampakatre eo amin'ajy ireo, die amin'jay andro jay, no hifady hanina areo.21 Tsy misy manampogna lamba hambo amin'ny lamba vaovao, laha tsy ijany die henga amin'ajy ilay tapa-damba, ny vaovao hienga amin'ny taloha,die vo meke ho ratsy ny faharotane.22Die tsy misy olo magnisy divay vaovao ao agnaty siny hoditre hambo, raha tsy jay die ho rotan'ny divay ny hoditre ka samby ho very ny divay sy ny siny hoditre. Fa koja, divay vaovao atao ao agnaty siny hoditra vaovao.''23Tamin'ny andro sabata Jesôsy nenga tegne amin'ny hosy rahabe, die nanomboke nipitibare ny mpianane. 24Die hoy ireo Fariseo Taminajy: ''Jahao, nagnino areo no magnano raha tsy araky ny lalànan'ny andro sabata?''25Die hoe ijy tamin'dreo hoe: '' Mbola tsy nivakinareo angahatre ijay namboarin'i Davida laha tao agnatin'ny tsy fahampena sy ny mosare ijy- sy ireo lelahy niarake tamin'aje- 26nanao akore ny fomba nidirane tao an-dragnon'Andriamanitra tamin'andron'i Abiatara mpisorognabe, die nihinagna ny mofon'ny fagnatrehana, ijay tsy ara-dalàna hon'ija na ija ny mihinagna ajy hafa tsy ny mpisorona mandy, die mbola nagnomejane rahabe ireo ijay nagnaraka anaje?''27Jesôsy nijaka hoe: ''Ny sabata die namboarina hon'ny janak'olombelogna, fa tsy ny janak'olombelogna no ho an'ny sabata. 28Noho jany, ny janak'Olo no Tompo, ndre die amin'ny sabata aja.''Chapter 3
1Die nandeha tao amin'ny synagoga koa Jesôsy ary nisy lelahy maty tagnana tao . 2Nijaha akeke an'Ajy ny olo saragne mba hahita laha hagnasitragna an'ajy amin'ny Sabata ijy mba ajahoan-dreo magnameloka an'Ajy.3Hoy Jesôsy tamin'ilay lelahy maty tagnana hoe: Mitsangana ary mijoroa eto agnivon'olo abiaby eto. 4Die nijaka tamin'olo Ijy hoe: " Ara dalana ve ny magnano tsara amin'ny andro Sabata sa ny magnano ratsy; ny magnavotra aigna sa ny mahafate?" Nefa areo tsy nahajaka.5Nijaha an'ajy tamim-pahavignirana Jesôsy, ary nalahelo Ijy nohon'ny hamafin'ny fon-dreo, dia nijaka tamin'ilay lelahy Ijy hoe: ''Amparo ny tagnanao." Die namparin'ilay lelahy ny tagnany ka sitragna. 6Nivôke ireo fariseo nikonokonona niaraka tamin'ny Herodiana handrembe ijay fomba malaky hamonôna an'Aje.7Avy eo Jesôsy, niaraka tamin'ireo mpianany, nenga egne an-dranomasina, ary nisy vahôke rahabe nagnarake avy agne Galilia sy avy agne Jodia 8ary avy agne Jerosalema sy avy agne Edoma ary hatragne amin'ny onin'i Jordana sy magnodidigna ny Tyra sy Sidona. Laha naharegne momba ireo raha namboarine areo, dia nisy vahôka rahabe nenga eo amin'Ajy.9Die nampandrembe sambokele ny mpianany Jesôsy ho an' Ajy nohon'ny habetsaky ny olo teo, mba tsy hifanolahan'olo Ijy. 10Noho Ijy Nagnasitragna olo rahabe, dia nifandrombaka nagnatogna an'Ajy ny olo abiaby ijay nanagna aretigna mba hikasika an'Aje.11Isake ny nahita an'Ajy ireo fagnahy maloto, die niankohoka teo alohane ary nihiake, ary hoy areo hoe: "Anao no janak'Andriamanitra." 12Nojakainy mahare areo mba tsy hampahalala an'Ajy .13Nagnanike tegny an-tendrombohitra Ijy, ary nangaika ireo ijay tiane, die nienga eo amin'Ajy areo. 14Nanendry ireo roambinifolo Ijy (Ijay nangehany hoe Apostôly), mba hahafahan-dreo miaraka amin' Ajy sy hafahane mandefa an-dreo mitory ny hafatre, 15ary hanagna fahefana handrôke demonia. 16Avy eo die nanendry ireo roambinifolo Ijy: Simôna, ijay namene agnarana hoe Petera;17Jakôba janak'i Zebedio, sy Jaona rahalahiny, ijay nameny ny agnarana hoe Boanarijesy, ijay midika hoe Jana-baratra; 18ary Andrea, Filipo, Baritolomeô, Matio, Tômasy, Jakôba janak'i Alfeô, Tadeô, Simôna Zelota, 19ary Jodasy Iskariota, ijay hamadika an' Aje.20Die nody tagny an-dragnony Ijy, ary niarak'avy koa ny vahôke, hany ka tsy afaka nihinagna akory areo. 21Laha naharegne ny momba ijany ny fianakiaviane, die nivôka areo hangala an'aje, satria nojakain-dreo ijy hoe : Very saigna Ijy.'' 22Ary ireo mpanora-dalàna ijay nidigna avy agny Jerosalema dia nijaka fa :" Ipetrahan'ny Belzeboba Ijy," ka, Amin'ny alalagn'ny mpanapaky ny demonia no androahany ny demonia."23Die nangehin' Jesôsy ho eo amin'Aje areo ka nijaka an-dreo tamin'ny alalan'ny fagnoharana hoe: "Ahôna no hahafahan'i Satana mandrôka an'i Satana?" 24Laha misy fanjakana miady an-dragno, dia ho rava ijany. 25Ary raha misy tokan-tragno miady an-dragno, die tsy hateja ijany tokan-tragno ijany.26Laha nitsangana nanohitre ny tegnane Satana ary nisarake, dia tsy hateja ka hifaragna. 27Fa tsisy afaka miditre ao an-dragnona lelahy matanjaka raike ary mandroba ny fanagnane laha tsy mamehe an'ilay matanjaka aheke, ary handroba ny tragnony ijy avy eo.28Jakaiko marina aminareo, ho vôvela aby ny heloky ny janak'olombelogna, na die ireo jaka ratsy abiaby ijay avôkan'ny vavany aja, 29fa ijay mijaka ratsy ny Fanahy Masina koja die tsy ho vôvela heloka mandrakijay, fa meloke nohon'ny ota mandrakijay." 30Nagnambara ijany Jesôsy nohon'ny filajan-dreo hoe: "Managna fagnahy maloto Ijy."31Avy eo die avy i endrine sy ireo rahalahine ary nitsangana tegne ivelagny. Nandefa olo nampahafantatra an'Ajy areo, ka nampangaika an'Ajy. 32Nitoboka magnodidigna an' Ajy ny vahôke ary hoy areo tamin'Ajy hoe: "I endrinao sy ireo rahalahinao die ao ivelagne ao mandrembe anao areo."33Ary Ijy namaly hoe: "Ija no endriko sy rahalahiko?" 34Ary nijaha nagnodidigna an'Ajy Ijy ary hoy Ijy hoe:"Jahao, ireto ny endriko sy rahalahiko! 35Fa na Ija na Ija magnano ny sitrapon'Andriamanitra, die ijany olo ijany no rahalahiko sy anakaviko, ary endriko."
Chapter 4
1Ary nanomboke nampianatra teo amoron'ny ranomasina koa Ijy, ary nisy vahôke rahabe nivory nagnodidigna an'Ajy. Niditra tao an-tsambokely ijay teo an-dranomasina Ijy, die nipetrake tao amin 'ijany, Ny vahôke abiaby koja die nijanogna teo amoron'ny ranomasina. 2Nampianatra an-dreo raha maro tamin' ny alalan'ny fagnoharana Ijy, ary tao amin'ny fampianarane, die ijao no nojakainy tamin-dreo.3Tenoy, nisy mpamafy handeha hamafy voa. 4ary laha namafy ijy, die nisy voa saragne niraraka tamin'ny lalagna, ka avy ireo vorogna die nihinagna an'ijany. 5Ny voa saragne nirarake tamin'ny tany feno vatovato, ijay tsy nisy tany firy. Avy die naniry avy hatragny ijy iregny, satria tsy laligna ny tany nisy an'ajy.6Laha nipôka ny masoandro, die nalajo ijy ireo, satria tsy nisy vahany ijy ireo die maigna. 7Ny voa hafa niraraka tamin'ny tany feno tsilo. Ary naniry niha-lehibe ireo tsilo ireo die nangeja an' ajy ka tsy nagnome voa.8Ny voa hafa niraraka tamin'ny tany tsara ka namokatra voa teo am-pitomboana ary nihamaro, ary ny saragne nitombo avo telopolo hegny, ny saragne enimpolo, ny saragne zato. 9Avy eo die hoy Ijy hoe:" Ijay manan-tadigny hiteno, ôka ijy hiteno! ''10Laha rerike Jesôsy, die nanontagne an' Ajy momba io fagnoharana io ireo ijay akeky an' Ajy sy ireo mpianany roambinifolo. 11Hoy Ijy tamin-dreo hoe. Ho anareo no nanomejana ny raha-takon'ny fanjakan' Andriamanitra. Fa ho an-dreo ijay agny ivelany die fagnoharana aby, 12mba amin'ny fotôgna hijahan-dreo, eka hijaha areo, nefa tsy hahita, ary mba amin'ny fotôgna hitenoan-dreo, eka hiteno areo, nefa tsy hahafatantre an'ijany, na koa hiodigna areo die hamindra fo amin-dreo Andriamanitra.''13Ary hoy Ijy tamin-dreo hoe:"Tsy ajonareo ve ijany fagnoharana ijany? Ahôna ijany no hajahoanareo ireo fagnoharana abiaby hafa ? 14Ilay mpamboly ijay namafy ny voa die ilay raike ijay namafy ny teny. 15Ireto no ilay niraraka teny an-dalagna, ijay namafajana ny teny, fa laha regnin-dreo ijany, die tonga avy hatragny Satana ary hangalatra ny teny ijay vôfafe tamin-dreo.16Ireto no ilay vôfafe tamin'ny tany feno vatovato, ijay, laha naharegny ny teny, die nandray ijany avy hatrany tamim-pifalena. 17Tsy misy fakany ao amin-dreo fa maharitra fotôgna fohy mandy. Die avy ny fahorena na ny fagnenjehana nohon' ny teny, ka avy hatrany die lavo areo.18Ireo hafa no ilay vôfafe tamin'ny tany feno tsilo .Regnindreo ny teny, 19fa ny fagnahian'ijao tontolo ijao, ny famitahan'ny harena, sy ny filàna ny raha hafa die tafiditra ka mangeja ny teny, ka tsy mamoa vokatre ijany. 20Ary ireo ijay vôfafe tegny amin'ny tany tsara, die ireo ijay maharegny ny teny ary mandray an ijany, ka namoa vokatra ijy ireo_ telopolo, enimpolo, na avo zato hegnin'ijay nafafe. "21Jesôsy nijaka tamin-dreo hoe : "Moa indôsinao an-dragno ve ny jiro mba hapetraka ambany tanty, na ambany farafara? Indôsinao miditra ijany die hapetrakao ambony fipetrahan-jiro. 22Fa tsy misy raha takogna ijay tsy ho fantatre, ary tsy misy tsiambaratelo ijay tsy hibôke. 23Laha misy manan-tadigny hitenoana, ôka ijy hiteno!''24Hoy Ijy tamindreo hoe. "Mitandrema amin'ny teny ijay regninareo, fa arakarakin'ny ohatra agnoharanareo mandy, no agnoharana anareo, ary hampena aminareo ijany. 25Satria na ija na ija managna die amena be loholoho ijy, ary na ija na ija tsy managna, na ijay anagnany aja halaina amin'ajy."26Ary hoy mandy koa ijy hoe. '' Ny fanjakan'Andriamanitra dia hôtrin'ny olo raike mamafy ny voany amin'ny tany. 27Mandry ijy amin'ny aligna ary mifoha amin'ny maraigna ary ny voa die mitsimoke ka maniry, fa tsy fantany hoe akore. 28Ny tany die mamoa amin'ny tegnany mandy: vôlohany ny rantsagne, avy eo ny tahone, avy eo ny voa matoy amin'ny tahone. 29Ary Laha matoy ny voa die avy hatragne ijy die hampamaragna fa efa avy ny fotoam-pambilejana.''30Ary hoy mandy koa ijy hoe . ''Ino no ajontsena agnoharana ny fanjakan'Andriamanitra, na ino fagnoharana ampiasaintsena hangnajavana ijany? 31Ijany die hôtrin'ny voatsinampy ijay, laha hafafe, die ijy no voa bitika loholoho amin'ny voa abiaby eto ambonin'ny tany. 32Nefa, laha vôfafe ijany, die mitsimoke ary lasa angejabe noho ny hajo abiaby, ary mamoa rantsagna ngenja ka ajon'ny vorogna hamboarana ny tragnony eo amin'ny alokalokane.''33Ary fagnoharana maro hôtran' ijany no nagnambarane ny teny tamin-dreo, arak'ijay fajahoan-dreo an'aje, 34die tsy nijaka tamindreo laha tsy tamin'ny fagnoharana Ijy. Nefa laha rerika Ijy, die nohajavainy tamin-dreo mpianane manokagna ny raha abiaby .35Tamin'ijany andro ijany, laha avy ny sondrogn' andro die hoy Ijy tamin-dreo hoe : "Andao antsena hitsaka erôy agnilane. " 36Die niala tamin'ireo vahôka areo, nitondra an' i Jesôsy niaraka tamin-dreo, laha igny Ijy tao agnaty sambokely igny. Nisy sambokely hafa nandeha niaraka tamin-dreo. 37Avy eo nanomboka nisy tafio-drivotra be ary onjan-drano nanafotre ny sambokely ka efa seky feno rano ny sambokely.38Ary Jesôsy rery nandry teo ambodin'ny sambokely tambonin'ny ondagna. Nofohajin-dreo Ijy, nagnano hoe : ''Mpampianatrô, tsy mampagnino Anao ve raha ho faty eto antsena?" 39Ary nifoha Ijy, die nijaka mahare tamin'ny rivotra, ary nijaka tamin'ny ranomasina hoe: '' Mitrihea! marena! die nitrehy ny rivotra, ka nisy filamignane be.40Die hoy Ijy tamin-dreo hoe:"Nahôna anareo no vaka? Mbola tsy manam-pinôna mandy ve anareo?" 41Feno hangoegnana areo ka nifampijaka hoe: '' Ija moa itoy, fa na die ny rivotra sy ny ranomasina aja magneke an'Ajy?"
Chapter 5
1Tody tegny agnilan'ny ranomasina areo, teo amin'ny faritra Gerasena.2 Raha nienga avy lahatao amin'ny sambo kely Jesôsy, tonga die nisy lelahy raike ajon'ny fagnahy ratsy maloto nagnatogna anaje avy hategny amin'ny kibory.3Nitoboke tegny amin'ny kibory toy lelahy toy. Tsy nisy afaka nitazogna anazy koa, ndre die tamin'ny rojo vy aja.4 Vôfehe imbetsake tamin'ny gadry vy sy rojo vy ijy. Nitapahine rojo die potike ireo gadra vy. Tsy nisy managna hery namehy anajy.5Sak'aligna sy sanan'dro tegny amin'ny ireo kibory sy tegny an-tendrombohitre, die nikoaikoaike ijy die nandratre ny tegnany tamin'ny vato marangitre. 6Laha nitajagna an'ny jesôsy hatalavitre ijy, die nihajakajake nandeha eo amininy die nenkohike teo anatrehane.7Die nikoke tamin'ny feo mahare ijy hoe: ''Ino moa no ifandresako aminao, ry Jesôsy, janak'Andriamanitra Avo Indrindra? Mengavy anao amin'ny agnaran'Andriamanitra rery mandy iaho, aja mampijaly anahy. 8Die ijy nijaka tamin'ajy hoe: ''Mienga amin'io lelahy io, ry fagnahy maloto.9Die ijy nagnotany anajy hoe: ''Ija ny agnaranao?'' Die nivaleny hoe: ''Legiona no agnarako, satria rahabe ahay.10 ''Die nengavy mafy Taminy fehijay ijy tsy handroke andreo agny ivelagny faritra.11Die nisy lambo rahabe nihinagna tegny an-tendrombohitre,12 die nengavy tamin'dreo , nagnano hoe: ''Alefaso ao amin'ny lambo ahay; avilao ahay hiditre ao amin'dreo.''13ka die napetragne ijy reo; die nibôke ireo fagnahy maloto ka die niditre agny amin'ny lambo, ary tonga die nilefa tegny amin'ny haragna ho agne an-dranomasina areo, die lambo tagny amin'ny roe rivo teo no maty an-dranomasina.14Nenga nilefa ireo mpamahagna lambo die niresaka ny raha nisy tao an-tanàna sy tagny ambanivolo, die olo maro nivoke hijaha ny raha-nitranga.15 Die avy eo areo nandeha amin'i Jesôsy ary hitandreo ilay lelahy nipetrahan'ny demonia, ilay iray ijay nipetrahan'ny Legiona, nitoboke teo, nisikigna ary vory saigna; ka die nangoaigna areo.16Areo je-nahita ny raha-nitranga tamin'ilay lelahy nipetrahan'ny demonia die nitantara tamin'dreo ny momba ijany tamin'ny antsimpireny, ary koa nitantara ny momba ireo lambo tamin'dreo. 17die nanomboke nengavy anajy areo mba hialany amin'ny faritra an-dreo18Raha hiditra agnaty ny sambokely ijy, die nengavy tamin'ny lelahy nipetrahan'ny demonia mba hagnarake anaje.19 Feny tsy neken'ny Jesôsy ijy, fa niteny tamin'ajy hoe: ''diagny mody andragnonao sy amin'ny havanao dia resaho amin'dreo agny aby je namboarin'ny tompo taminao, sy namindrane fo taminao!'' 20die nandeha nody izy ka nanomboka nagnambara ny raha manambatrake namboarin'i Jesôsy tagny amin'ny tany Dekapolisy, die jendagna dôholo ny raimantolo.21Die raha nenga tagnilany tegny koa Jesôsy, tamin'ny sambokely, die io nisy fokon'olo rahabe nivorovoro magnodidina anaje, laha teo amoron-dranomasina igny ijy. 22 Aviteo avy ny raike amin'ny mpitarika ny Synagoga, antsoina hoe Jairo, ka laha vao nahita Anajy die nientily tamin'ny tongotrane.23 Niengavy fehijay fehijay ijy, nijaka hoe: ''Marary mafy tena efa ho fate ny janako vave. Mitalaho aminao iaho malaky die apetraho amin'ajy tagnanao mba hahafake sy hivelogna ijy.''24 Die nenga niarake taminy Ijy, die fokon'olo rahabe nagnarake sy nanere magnodidina Anaje.25Die nisy viavy raike teo voan'ny fahaverajan-drà nandritre ny roambinifolo taogna.26 Nijaly be tegnane ijy sady nitety mpitsabo rahabe sy namôgna ny fanagnany aby dahôlo, nefa tsy nahita fahasitragnana fa vômeke andre niharatsy.27 laha naharegne ireo tatitre moban'i Jesôsy ijy, die nandeha afarany tao agnaty fokon'olo ijy die nitsamo ny fitafene.28Satria hoy ijy hoe: '' laha mahatsamo ny lambane fotsine iaho, die ho hahafake.''29 laha nitsamo Anajy ijy, die nijanogna ny fahaverajan-drà, die tsapane fehijay agnatine fa nahafake tamin'ny eritigne ijy.30Fantatr'i Jesôsy niarake tamin'ijay fa nisy hery nenga hatamin'ajy. Niherike tagny amin'ny fokon'olo Ijy die nijaka hoe: ''Ija no nitsamo ny fitafieko?''31 die namaly anajy ireo mpianatrany hoe: ''Jahanao ireo fokon'olo rahabe mifanisike aminao ireo, die hoy Ianao hoe: ''Ija no nitsamo an'Ahy.''32 Fa nijaha ny magnodidigna anaje Jesôsy mba hahitane ijay nagnano ijany.33Ilay viavy, nahalala ijay niseho taminy, die nangoaigna sy nangitakitake. Nenga ijy die niantily teo alohan'i Jesôsy ka nijaka tamin'ajy ny marina rehetra.34 Die hoy Jesôsy tamin'ajy hoe :''Janako, ny finônao no nampahafake anao. Mandihana amin'ny fedanana ary mahafahà amin'ny aretignao."35Laha mbola nijaka Ijy, die avy ny olo saragne lahatagne amin'ny mpitarike ny synagoga, nagnano hoe: ''Efa maty ny janakao. Nagnino no mbola manahiragna ny mpampianatre mandy?''36Fa laha naharegny ijay nojakain'dreo Jesôsy, die hoe ijy tamin'ny mpitarike ny synagoga hoe: ''Aja mangoaigna. Minoa fotsiny mandy. '' 37Die tsy nakene hagnarake anaje, hafa-tsy Petera, Jakoba, die Jaona, rahalahin'i Jakoba.38 Avy tagne andragnon'ilay mpitarike ny synagoga areo die nahita olo naresake be teo ijy; nitomagny sy nigogogo mahare ijy reo.39Laha niditre ny tragno Ijy, die hoe ijy tamin'dreo hoe: ''Nagnino anareo no mitabataba sy mitagny? Tsy mate ny jaja fa mandre.''40 Nihehe Anajy areo. Nefa navôkane tagny ivelany areo ary nalainy ny iaba sy endrin'ilay jaja sy ireo jay niarake tamin'ajy, die niditre tagny agnefitre misy an'ilay jaja Izy.41Niresine ny tanagnan'ilay jaja die nijaka tamin'ajy hoe: ''Talita, Komy!'' die laha adika dia hoe: ''Rajajavave, mijaka aminao Iaho, miavota.''42 Tonga die niavotre rajajavave die nenga (satria roa ambin'ny folo taogna ijy). Jendagna sahady areo.43 Nijakainy mahare areo mba tsy hisy na ija na ija hafantatre ny momba an'jao. Avy eo die nampagnomejany raha hanina rajajavave.Chapter 6
1Nandao anio toerana io Ijy ka namonjy ny tanindrajagne,2 Ary die nagnaraka andreo ny mpianatrany. ary laha avy ny andro sabata, die nampianatra tao amin'ny Synagoge ijy. Rahabe ny olo naharegne anajy ka jendagna areo. Die nijaka areo hoe: "avy aja no najahône anireo fampenarana ireo?" "Ino jao fahendrena ijay namena anajy jao?". "Ino ireo fahajindagnana ijay namboariny tamin'ny tagnany ireo?" 3"Tsy ilay mpandrafitre ve io, ilay janaky i Maria ary rahalahin'i Jakoba sy Josesy sy Jodasy ary i Simona? Tsy miaraka amintsena eto ve ireo anakavine?" Tohigna tamin'i Jesôsy ijy ireo.4Ary hoy Jesosy tamindreo hoe: "tsy misy mpaminangny tsy homen-kaja, hafa-tsy ao amin'ny tanindrajagne sy ao amin'ny havane akeky ary ao amin'ny ankohonany manokagna mandy." 5Tsy afake nagnano asa mahagaga Ijy, hafa-tsy ny famitrahany tagnana amin'ny marary vitsivitsy ary nampisava andreo. 6Jendagna nohon'ny tsy finoôn'ijy ireo Ijy. Avy teo nandeha nagnodidigna ireo tanàna Ijy hampianatre.7Avy teo die nangaike ireo roe ambifolo lahy Ijy ary nanomboka nagnirake andreo tsiroiroe, ary namene fahefana teo amin'ny fagnahy maloto areo, 8ary nandidy andreo tsy hitondra n'ino n'ino amin'ny diene, na mofo, na kitapo, na vola amin'ny fehin-kibon'ijy ireo- hafa-tsy tehigna mandy-9 fa hagnano kapa, ary tsy hagnano akanjo roe.10Hoy ijy tamindreo hoe: "Na ovene na ovena anareo miditra amina tragno raike, die mitoboha ao mandram-pelanareo agne.11 Ary laha misy tanána tsy mandray anareo na miteno anareo, laha menga ao amin'ijany toerana ijany anareo, die ahitsagno ny botane amin'ny tongotrareo mba ho fijorôna vavolombelogna amindreo."12Die nenga areo ary nitory fa ny olo die tokone hibebake amin'ny fahotane. 13Nandrôke devoly rahabe areo, ary nagnosotre marary rahabe tamin'ny diloilo ka nagnasitragna anajy ireo.14Regnin'i Heroda mpanjaka ijany, satria nanjary fanta-daja ny agnaran'i Jesosy. Ny saragne nilaja hoe: "Nitsangagna tamin'ny maty Jaona mpanao batisa ary noho ijane, die miasa ao agnatine ireo hery mahajendagna ireo." 15Fa ireo saragne koja nijaka hoe: "Elia Ijy." Ny saragne mbola nijaka hoe: "Mpaminagny Ijy, tahaka ny raike amin'ireo mpaminagny tamin'ny andro taloha."16Fa laha naharegny i Heroda die hoy ijy hoe: "Jaona, ijay nitapahiko loha' no nitsangagna tamin'ny maty." 17 Fa Heroda no nampanambotre an'i Jaona ka nandefa anaje tagny andrangnomejigna nohon'ny raharaha Herodiasy ( vadin'ny Filopo rahalahine), satria novadiene raviave.18Fa i Jaona nijaka an'i Heroda hoe: "Tsy ara-dalàna ny hanambadienao ny vadin'ny rahalahinao." 19Fa vignitre taminaje Herodiasy ka nitady ijay hamonôna anaje, nefa tsy afake, 20 nohon'ny fatahoran'i Heroda an'i Jaona; fantane fa olo- marina sy feno fahamasignana ijy, ary niaro anaje ijy. Nanahiran-saigna ny fitenôna anaje, kanefa die mbola niteno anajy tami-kafalena ijy.21Avy teo nisy irake tamin'ny fitsingeregnan'ny taogna nahaterahan'i Heroda ka nagnano fanasàna ho an'ireo lehibene, sy ireo mpifehine, ary ireo mpitarika ny Galilia ijy. 22Die niditre ny efitragno fanasana ny janaka vavin'ny Herodiasy ary nandihy hôndreo, ary nahafinaritre an'i Heroda sy ireo vahiny nasaina tamin'ny fihinanana ijy. Hoy ny mpanjaka tamin'drajajavave hoe: "angatahy aminahe ijay raha manotolo tienao die hameko anao ijane."23Ary nifanta taminajy ijy nagnano hoe: "na ino na ino angatahinao aminahe, die hameko anao, hatramin'ny ansasaky ny fanjakako." 24Die nivôka ijy ary nijaka tamin'i endrine hoe: "Ino no tokony angatahiko aminaje?" Die hoy endrine hoe: "Ny lohan'i Jaona mpagnano batisa." 25teo no ho eo die niverigna tagny amin'ny mpanjaka ijy, ka nangataka, nagnano hoe: " Tieko amenao anahe, ijao dieny ijao, eo ambony lovia ny lohan'i Jaona mpagnano batisa."26Na die nampalahelo mafe ny mpanjaka aja ijane, die tsy afaka nandà ny fanagatahane ijy nohon'ny fifantana namboarine sy noho ireo vahinine nasaina tamin'ny fihinanana. 27Noho ijany die nandidy miaramila raike avy tamin'ny mpiambigna ny mpanjaka ary nandidy anaje hitondra ny lohan'i Jaona hôminaje. Nenga ilay mpiambigna ary nanapaka ny lohany tao andragnomejigna. 28Nindane teo ambon'ny lovia ny lohany ary namene andrajajavave, ary ilay jajavave nagnome an'ijany an'i endrine. 29Laha naharegny anijany ireo mpianane, die avy ijy ireo nangala ny nofony ka nametraka ijany tao am-pasagna.30Nipody tagny amin'i Jesôsy ireo apostoly ary nitantara taminaje ijay rehetra vitandreo sy nampenarindreo. 31Ary hoy ijy tamindreo:" Andao antsena hoagne agnefitra ka hiala vijake kele." Fa rahabe ny olo nivejivejy, ary tsy nanam-potôgna nihinanana rahanina mihitsy aja ijy ireo. 32Die nandeha an-tsambokely ijy ireo mba ho agny amin'ny tany fôgna.33Fa ijy ireo nahita anajy ireo nandeha ary maro no nahalala andreo, die niaraka nihajakajake an-tongotre avy tagny amin'ny tanàna manotolo ijy ireo, ary avy talohan'dreo. 34Laha avy tegny amin'ny morogny areo, die nahatsinjo vahôka rahabe ary nalahelo anijy ireo Ijy satria hôtran'ny ondry tsy managna mperakandro ijy ireo. ka nanomboke nampianatra raha maro andreo Ijy.35Ary laha sondrogna ny andro, die nagnantogna Anajy ireo mpianatrany ka nijaka hoe: "Toerana fôgna itoy ary ny andro efa ho aligna sahady. 36 Alefaso areo mba handehanane agny amin'ireo vohitra sy tanàna magnodidigna hividy hanina hôn'ny tegnan'dreo."37Fa namaly Ijy ka nijaka tamin'ijy ireo hoe: "Amenareo rahoanina ijy ireo." Die hoy ijy ireo taminy hoe: "Afaka mandeha ary mividy mofo ajon'ny denaria rônjato ve ahay ka hagnome ijany anajy ireo hohanine?". 38Die hoy Ijy tamindreo hoe: "Firy ny mofo anagnanareo? Mandihana ary jereo." Laha hitane die hoy areo hoe: "Mofo dimy sy laokandrano roe."39Die nandidy ny olo aby mba hitoboka mitsitokotoko amin'ny ahi- metso Ijy. 40 Die nitoboka an-tokone areo; an-tokony jato sy dimampolo. 41Nangala ireo mofo dimy sy laokandrano roe Ijy, niandrandra ny lagnitre die nisaotre ka nijarajara ny mofo ary nagnome anijany tamin'ireo mpianatra mba hamena eo alohan'ny olo. Nijaraina mandy koa ny laokandrano roe ho anajy aby.42Die nihinagna aby ijy manontolo nandram-pahavoky andreo . 43Nalaindreo ny ambiambin'ny mofo, ijay nahafeno roembifolo tanty feno ambavane, ary koa ny ambin'ireo laokandrano.44 Nisy dimy arivo ireo lelahy nihinagna ny mofo.45Eo no ho eo die nalefany niakatre tao an-tsambokely ireo mpianatrane mba heloha Anajy hôgnilany egny, ho agny Betsaida, laha nandefa ny vahôka Ijy. 46Laha nenga areo, die niakatra tagny an-tety Ijy mba hivavake. 47Avy ny aligna, ary efa teo ampovôn-dranomasina ny sambokely, fa irery tegny antanety ijy.48Ary hitany fa sahiragna mafy areo nivoe ny sambokely, satria nanohitre mahare andreo ny rivotre. Tokotokony amin'ny lera fembenana fahefatry ny aligna die nagnantogna andreo Ijy, nandeha tegny ambony ranomasina, ary te -handalo tamindreo Ijy. 49Fa laha nahita anajy nandeha tambony ranomasina ijy ireo, die niheverindreo fa angatra Ijy ka nihorireka areo,50 satria nahita anajy areo die reki-tahotra. Eo no ho eo die nijaka tamindreo Ijy hoe: "Matokisa! Iaho mandy itoy! Aja matahotra!"51Ary niditra tao an-tsambokely niaraka tamindreo Ijy, die nijanona tsy nitsoka ny rivotre. Die gaga tanteraka ijy ireo.52 Ary tsy takatry ny sain-dreo ny dikan'ilay mofo. Fa koja, nihamahery ny fondreo.53Laha tody areo, die avy tao Genesareta areo ka nijanogna tao.54 Ary laha nidigna avy tao amin'ny sambokely ijy ireo, tonga die fantan'olo tao Ijy, 55ka nihajakajaka nagnaragna ny faritra rehetra ijy ireo ary die nanomboka nitondra ny marary tamin'ny fandreny tagny aminajy rehetra regninijy ireo misy anajy.56Fa na taja na taja nandihanany na an-tanàna, na an-tanàna lehibe, na tegny amin'ny vohitra kele, die napetra-dreo teo amin'ny kianja ny marare. Nengavy Anajy ijy ireo mba hamela anajy ireo hikasike ny rambon'ankanjone, ary ireo maro ijay nikasike Anajy die nahafake.Chapter 7
1Ireo fariseo sy ny mpanoradalana sasagne jay avy agne Jerosalema die tonga nivory nagnodidina Anajy.2Die hitan-dreo ny mpianatrane saragne nihinagna mofo tamin'ny tagnane tsy vôdio, ijany hoe, tsy vôsasa.3 (Feny Fariseo sy ny Jiosy aby die tsy mba nihinagna laha tsy efa nanasa ny tanagne areo, satria magnarake ny fombafomban'ireo loholona.)4 Die laha nipody hata an-tsena ireo Fariseo, die tsy nihinagna areo laha tsy avy nadro, ary mitandrigna fomba rahabe hafa fatratre areo, tahake ny fagnasana ny kapôke, sy ny fagnaragnana, sy ny fanake varahigna, ary ny fandrena ijay ihinanan-dreo.)5Ireo Fariseo sy ny mpanoradalana nagnotany an'i Jesôsy hoe: ''Nagnino ny mpianatrao no tsy mandeha araka ny fombafomban'ireo loholona, fa mihinagna ny mofon'ijy reo amin'ny tagnana tsy vôsasa?''6Nefa hoy Ijy tamin-dreo: ''Isaia naminagny tsara momba anareo mpiantsaravelatsihy. Nosoratany hoe: 'Ity fokon'olo ity magnaja Anahe amin'ny molotrane, fa ny fony koja lavitre Anahe.7 Fôgna ny fivavahana nomenen-dreo Anahe, laha mampianatre ny fitsipik'olombelogna ho fampianaran'dreo.'8Afoinareo ny didin-Andriamanitra ka tajominareo mahare ny fomban'olo.'' 9Die hoy mandy Izy tamin'dreo: ''Hôtran'ny aija ny fagnarenareo ny didin'Amdriamanitra mba hitandremanareo ny fombandrajagnanareo! 10Fa hoy Mosesy: 'Magnaja ny iabanao sy endrinao,' ary koa ,'Ijay mijaka ratsy ny iabane na ny endrine die ho fate tokôtre.'11Kanefa anareo mijaka hoe: 'Laha misy lelahy raike mijake ny iabane na ny endrine hoe: ''Na ino na ino tienareo ho ajo aminahy die efa Korbana,'' (ijany hoe: 'Namena an'Andriamanitre') --12 Die tsy abelanareo hambotre na ino nino amin'iabany sy endriny koa ijy. 13Mamôgna ny tenin'Andriamanitra anareo nohon'ny fambandrajagnareo ijay nitananareo. Ary raha maro mitovy amin'ijany koa no amboarinareo.14Raha nangaike ny fokon'olo indraike Ijy ka nijaka tamindreo hoe: ''Mitenoa Anahy, anareo aby, ka fantaro.15 Tsy misy raha avy eo ambohone izay miditre ao agnatin'olo ka afake mandoto anajy laha niditre ao aminy. Fa ijay mivoke hatao agnatin'olo no mampaloto anaje.'' 16[Ny fandikana tsara indrindra die tsy magnisy ny andininy faha 16: Laha misy manantadigny hiteno, ôka ijy hiteno.]17Ary laha nenga teo amin'ny fokon'olo Jesôsy ka niditre tao an-dragno, ny mpianatrane nagnadigna Anaje momba ilay fagnoharana.18 Hoy Jesôsy taminy: '' Ianareo koa ve mbola tsy managna fahafantarana? Tsy hitanareo ve fa jay rehetra miditre ao agnatin'olo avy agne ivelagne die tsy mapaloto ajy, 19satria tsy afake miditre ao am-pone ijany, fa ao an-trokane ka mivoke amin'ny fivoahane?'' Tamin'ijany fagnambarana ijany dia nahatonga ny rahanina rahabe madio i Jesôsy.20Hoy Ijy: ''Ijay mivôke hatamin'olo no mampaloto anajy.21 Fa avy ao agnatin'olo, hatao am-pone, no iboahan'ny sain-dratsy, ny fahavetavetana, ny halatre, ny famonôna olo,22 ny fijangajangana, ny fitsiriritana, ny haratsiam-pagnahe, ny fitake, ny fijejojejoana, ny felognana, ny fagnendrikedrehana, ny avognavogna, ny hadalana. 23Ijany raha-ratsy aby ijany no mivôke hata agnatin'olo, die ireo no mampaloto anajy.''24Nenga teo Ijy ka lasa nandeha tagny amin'ny faritry Tyro sy Sidona. Niditre tao an-dragno raike Ijy die tsy tiene ho fantatr'ija na ija fa tao Ijy, Kanefa tsy afake nivony.25 Kanefa niarake tamin'jay die nisy viavy raike, ijay nisy fagnahy maloto raike ny janagne viavy kele, naharegny ny aminy, tonga, die niankohoke teo an-tongotrane.26 Ary Grika lay viavy, Syro-foinika no fiaviany. Nengavy taminy ijy mba hamôke ny demonia henga amin'ny janagne vave.27Hoy Ijy taminy: ''Ôka homen-kanina alohake ny jaja. Satria tsy mety ny mangala ny mofon-jaja ka manipy ajy ho an'ny amboa.''28 Nefa namaly ijy ka nagnao taminy hoe: ''Eka, Tompo, fa ny amboa ao ambany latabatre aja die mba mihinagna ny potipotigne amin'ny mofon-jaja.''29Die hoy Ijy taminy: ''Noho ijany jakanao ijany, afaka menga anao. Efa nivôke tamin'ny janakao vave ny demonia.'' 30Dia laha niverigna tagny an-dragnone ravevavy die nahita ny jaja nadry teo ambon'ny kitrara, ary ny demonia efa nenga.31Die Jesôsy nivoke indray nenga ny faritry Tyro, die namaky an'i Sidona hatagny amin'ny ranomasin'i Galilia ka niakatre ny faritra ny Dekapolisy.32 Die nindôsindreo teo Aminy ny olo raike maregnina sady misotry laha nijaka, ary nitalaho Taminy ijy reo mba hametrahane ny tagnana aminy.33Nitondra an-dralelahy nitokana nenga teo amin'ny fokon'olo Ijy, die nametrake ny ratsatanagne tao amin'ny tadigniny Ijy, ary laha avy nandrora, die nitsamo ny lelane.34 Die nendrandra ny lagnitre Ijy, die nisento ka nijaka tamin'ny hoe: ''Efata,'' ijany hoe: ''Maladia!''35 Ary vetitvety teo ny tadignine die naharegny, ary jay namatotre ny lelane die potike die afake nijaka majava tsara ijy.36Die Jesôsy nandrara an-dreo tsy hijakajaka na amin'ija na amin'ija. kanefa na die nisakanana aja ijy reo, vô meke nagnely ijany bebe kokoa.37 Die jendagna tanterake ny olo, ka nijaka hoe: ''Namboariny tsara daholo ny raha manontolo. nataony naharegny aja ny maregnina ary nijaka ny môgna.''Chapter 8
1Tamin'ijany andro ijany, die nisy vahôke rahabe koa, ary tsy nanagna raha hohoanina ijy ireo. Die nangaika ny mpianatrane i Jesôsy ary nijaka tamindreo hoe: 2"Mampalahelo Anahe ireo vahôka, satria efa telo andro areo no nanohy niarake taminahe ary tsy manan-kohanina. 3Laha ampengaiko mody agny andragno tsy mihinagna areo, die mety ho toragna andalagna. Ny saragne amindreo die avy amin'ny lalagna lavitre." 4Namaly Anajy ireo mpianatrane hoe: "Aja no hajahôntsena mofo ampe hamokisana ireo vahôka ireo atoy an-tany fôgna tahaka anijao?"5Nagnotany andreo Ijy hoe: "Firy ny mofo anagnanareo?" Hoy ijy ireo hoe: "Fito"6 Nandidy ny vahôke mba hitoboke amin'ny tany Ijy. Niresiny ny mofo fito, die nisaotra Ijy, ary nanapake ireo. Nameny ny mpianatrany ijany mba ho jaraindreo amin'ny vahôke, ary navelandreo teo alohan'ny vahôka ijany.7Ary mbola nanagna laokandrano kely bitibitika mandy koa areo, ka laha avy nisaotra anireo Ijy, die nandidy ireo mpianatra mba hanolotre anijany koa Ijy. 8Die nihinagna ijy ireo ka voky, ary nalaindreo ny ambinambine tavela, ijay nahafeno tanty fito lehibe. 9Tokotokony ho efatr'arivo teo ho eo ny olo taminin'ijany. Avy teo die nampengainy nody ijy ireo.10 Tonga die niakatra tao an-tsambokely niaraka tamin'ireo mpianatrany Ijy, ary nenga tagny amin'ny faritry Dalmanota ijy ireo.11Die nivôke ireo fariseo ary nanomboke nifampizizo taminajy. Nandremby famantarana avy lahatagny andagnitre taminajy ijy ireo, mba hitsapana Anajy.12 Nisento laligna tamin'ny fagnahiny Ijy ary nijaka hoe: " Nahôna no mandremby famantarana itoy taranaka itoy? Nefa jakaiko marina aminareo, fa tsisy famantarana amena anitoy taranaka itoy ijany." 13Aviteo die nilôjany areo, niakatra tao an-tsambokely indraike, ary nikisake lavitra ho egny am-pita.14Ary hadignony mpianatre ny nitondra mofo niaraka tamin-dreo. Tsy nanagna mihôtran'ny raike ijy ireo tao agnaty sambo. 15Die nampitandrigna andreo Ijy ka nijaka hoe: "Membena ary mitandrema amin'ny masimasign'ireo fariseo sy ny masimasin'ny Heroda."16Die nifagnotany tegna ny mpianatra hoe: " Noho antsena tsy managna mofo ijany."17 Fantatr'i Jesôsy ijany, ary hoy Ijy tamin'ijy ireo hoe: "Nahôna no amin'ny tsy fanagnana mofo ny fisaignanareo? Mbola tsy ajonareo ve? Mbola tsy takatrareo ve? Nanjary donto ve ny fonareo?18Managna maso anareo, fa tsy jamba ve? Managna tadigny anareo, fa tsy maharegny ve? Tsy tadidinareo ve? 19Laha nanapaka ny mofo dimy ho an'ny olo dimy arivo Iaho, die tanty firy feno ambinambina mofo no navorinareo?" Hoy areo taminaje hoe: "Roembifolo."20Laha nanapaka ireo mofo fito ho an'ny olo efatr'arivo Iaho, firy tanty ny ambiny navorinareo?" Hoy ijy ireo taminy hoe: "Fito."21 Ary hoy Ijy hoe: "Mbola tsy takatrareo mandy ve?"22Avy tagny Betsaida ijy ireo. Ary nisy jamba raike nindaon'olo teo aminajy ary nengavy an'i Jesôsy areo mba hitsamo anajy. 23Nindaon'i Jesôsy tamin'ny tagnany ilay jamba, ary nitondra anajy hivôka ny tanàna. Laha nandrora tamin'ny masony Ijy ary nametraka ny tagnany taminajy, die nagnotany anajy Ijy hoe: "Mahita raha ve anao?"24Die niandra ijy, ka nijaka hoe: "Mahita olo mitovy amin'ny hajo mandehandeha iaho."25 Nampetrak'i Jesôsy tamin'ny masony indraike ny tagnane, ary nivohan'ilay lelahy ny masony, die nipody tamin'ny lônine ny fahitane, ary nahita majava tsara ny raha manotolo ijy.26 Die nampengain'ny Jesôsy nody ijy ary nijakainy hoe: "Aja miditra ao an-tanàna".27Nenga nivôka Jesôsy sy ny mpianatrane nandeha amin'ny tanànan'i Kaisaria Filipo. Tegny andalagna die nagnotane ireo mpianatrane Ijy hoe: "Hataon'olo ho ija moa Iaho?"28 Namaly Anajy areo ka nijaka hoe: "Jaona mpagnano batisa. Ny saragne nijaka hoe 'Elia', ary ny saragne hoe: ' Raike amin'ireo mpaminagny.'"29Nagnotane andreo Ijy hoe: "Fa anareo koja magnano Anahy ho Ija?" die namaly Anajy Petera hoe: "Anao no Kristy." 30Namepetra andreo Jesôsy tsy hijaka ny momba anaje na amin'ija na amin'ija.31Nanombake nampianatra anajy ireo Ijy fa tsy mentsy hijaly ny Janak'Olo, ary ho lavin'ny loholona sy ireo lohan'ny mpisorogna ary mpanora- dalàna, ary hivonina, ka hitsangagna amin'ny maty afaka telo andro. 32Nijakainy majava tsara ijany. Aviteo nantsovan'i Petera mangingigna Jesôsy ka nanomboka mahare Anajy.33Nefa nitodika Jesôsy die nijaha ireo mpianatrane ary avy teo nijaka mahare an'i Petera ka nagnano hoe: "Menga lavitra Anahe, ry satana! Tsy mba misaigna ny rahan'Andriamanitra anao, fa ny rahan'olo." 34Avy teo die nangaika ny vahôke sy ny mpianatrane ijy, ary hoy Ijy tamindreo hoe: " Laha misy te hagnaraka Anahy, die tsy mentsy mandà ny tegnany ijy, mangala ny hajo fijalene , ary magnarake Anahe.35N'ija n'ija te-hamonjy ny aigne die hahavery ijany, ary ijay mahavery ny aigne nohon'ny aminahe sy ny filajan-tsara, die hahavonjy ijany. 36Fa ino anefa ny tombotsoa ajon'olo raike, laha mahajo ijao totolo ijao, ary aviteo very ny aigne?37 Ino no afake amen'ny olo raike ho takalon'ny aigne?38n'ija n'ija megnatre Anahe sy ny jakako eto amitoy taranaka mijangajanga sy mpanota itoy, die homegnatra anajy mandy koa ny Janak'Olo laha avy ao amin'ny vononahitry ny Rainy miaraka amin'ireo anjely masigna Ijy."Chapter 9
1Hoy Ijy tamindreo hoe: "Jakaiko aminareo marina tokôtre, fa misy aminareo ijay mitsangagna eto no tsy hagnandragna ijany fahafatesana ijany melohan'ny hahitan'dreo ny fanjakan'Andriamanitra ijay hoavy amin'ny hery angeja-be."2Ary enina andro tatoy afara, die nandôsin'ny Jesôsy niaraka taminy Petera sy Jakoba ary i Jaona tegny amin'ny tendrombohitra agnambo, ary areo rery no tagny. Aviteo nova tarehy teo anatrehan'ijy ireo Ijy.3 Ny fekanjony nova namirapiratre sady najava, ary fotsy indrindra,fotsy mihôtre ny raha nampamotsena indrindra teto ambon'ny tany.4Aviteo Elia sy Mosesy niseho tamin'dreo, ary nijaka tamin'i Jesôsy ijy ireo. 5Petera namaly ka nijaka tamin'i Jesôsy hoe: "Raby ô, tsara laha mitoboka eto antsena, koa andao hambôtra kitragnotragno telo, ny raike hônao, ny raike hôn'i Mosesy, ary ny raike hôn'i Elia. 6"( Fa tsy fantane ijay tokone hijakaine, satria nangoaigna mafy areo.)7Nisy rahogna avy ka nandrakotra andreo. Ary nisy feo nivôke avy ao agnatin'ny rahogna hoe: "Itoy ny Janako Malalako. Mitenoa Anaje.8 "Tampoka teo, laha nijaha ny magnodidigna areo, die tsy nahitana an'ija n'ija koa, afa tsy Jesôsy raike mandy.9Laha nidigna avy tegny antendrombohitra ijy ireo, die nifeperany mafy mba tsy hijaka na amin'ija na amin'ija ny raha hitandreo, raha tsy efa mitsangagna amin'ny maty ny Janak'Olo. 10Ary die nitajomindreo hôndreo ijany jaka ijany, kanefa nifampagnotany areo ny amin'ny mety ho dikan'ijany "Fitsanganana amin'ny maty" ijany.11Nagnotany Anajy areo hoe: "Nagnino ireo mpanora-dalàna no nilaja fa tsy mentsy ho avy meloha i Elia?"12 Die hoy Ijy tamindreo hoe: "Efa avy vôlohany Elia hagnarigna ny raha aby. Ary nagnino no vôsoratre fa ny Janak'Olo die hijaly mafy amina raha-maro die hatao hôtran'olo tsisy dikane? 13Nefa jakaiko aminareo fa efa avy Elia, ary nataon'olo tamijay sitrakin'ny fony, arak'ijay efa voajakan'ny Soratra Masina momba anaje."14Ary laha nipody teo amin'ny mpianatra areo, die nahita vahôke-be nagnodidigna anajy ireo ary ireo mpanora-dalàna niady hevitra taminy.15 Laha vô-nahita an'i Jesôsy ijy ireo, die gaga aby ny vahôke, ary raha igne nihajakajake nagnantogna Anajy igny ijy ireo die niarahaba Anaje.16 Nagnotany ireo mpianatrany Ijy hoe: "Momban'ino no hedienareo hevitra amin'ireo."17Ary nisy raike tamin'ireo vahôke namaly Anajy hoe: "Mpampianatra ô, nandôsiko ho eto aminao ny janako lahy. Misy fagnahy ratsy tsy mampijaka anajy ijy. 18Manambotre anajy io ka mampilavolavo anaje Ary mandoa vory ijy, mikotro-nify, ary lasa mihenjagna ijy. Nangataka tamin'ireo mpianatrao ny tegnako mba hamôka ijany hiala aminaje, kanefa tsy vitan'dreo ijane."19 Ary namaly andreo Ijy hoe: "Ry taranaka tsy mino, mandram-pahovena no hitobohako eto aminareo? Mandram-pahovena no handiferako aminareo? Andôsy aminahy atoy ijy."20Die nandôsiny taminajy ilay jajalahy, ary laha vônahita an'i Jesôsy ilay fagnahy ratsy, die nampifanintositongna anajy ijany. Lavo tamin'ny tany ilay jajalahy ary feno vory ny vavane. 21Jesôsy nagnotany an'iabany hoe: "Tamivena naha hôtranio anaje?" Die hoy iabany hoe: "Efa hatamin'ny naha-kely anaje." 22Kindraindraike io fagnahy ratsy io nandavo anaje tagnaty afo na tagnaty rano ary nagnandragna ny hamotike anaje. Laha mahay magnano ny raha aby Anao, die miantrà anay ary ampeo ahay."23Jesôsy nijaka taminajy hoe: "'Laha mahay anao'?24 Ny raha abiaby die hain'ny mino." Ary niaraka taminijay ny iaban'ny ilay jaja die niheke mafe nagnano hoe: "Mino aho! Ampio aho amin'ny tsy finôka!"25 Laha hitan'i Jesôsy ireo vahôke nihajakajaka nagnantogna anajy ireo, die nijakainy mahare ilay fagnahy maloto ary nagnano hoe: "Ry fagnahy môgna sy maregnina, mandidy anao Aho, mivoaha aminy, ary aja mipody miditre aminajy ao koa."26Nihoaikaika mahare ijany ka nampifanintogna mafy ilay jajalahy ary aviteo nivôke. Hôtran'ny olo maty ilay jaja lahy, die be no nijaka hoe: "Maty ijy". 27 Fa Jesôsy nandray anajy tamin'ny tagnana ka nagnarigna anaje, die nitsangagna ilay jajalahy.28Ary laha niditre tao andragnony Jesôsy, die nagnotany Anaje manokagna ireo mpianatrane hoe: "Nagnino ahay no tsy nahavôrôke ilay fagnahy ratsy?"29 Hoy ijy tamindreo hoe: "Ny hôtranio die tsy afaka roahina afa-tsy amin'ny alalan'ny vavake."30Nenga teo ijy ireo die nandalo tagny Galilia. Tsy tieny ho fantatr'ija na ija hoe taja areo,31 fa nampianatre ireo mpianatrane Ijy. Hoy Ijy tamindreo hoe: "Ny Janak'Olo die hatolotre egny antagnany olo, ka ho vonoin-dreo Ijy. Ary laha vôvono Ijy, die hitsangagna amin'ny mate indraike afaka telo andro."32 Fa tsy ajondreo ny fagnambarana io, ary natahotra areo hagnotane Anaje.33Aviteo tonga tao Kapernaomy areo. Laha avy niditra tao andragno Ijy die nagnotany andreo hoe: "Ino ny raha nifampiresahanareo tegny andalagna?"34Fa nangigna ijy ireo. Satria efa niady hevitre tegny andalagna ijy ireo ny amin'ny jay lehibe indrindra.35 Nitoboke, die nangaika ireo roembifolo lahy niaraka Ijy ary nijaka tamindreo hoe: "Laha misy tehovôlohany, die tsy mentsy farane amin'ny abiaby ijy ary ho mpanompon'ny abiaby."36Nangala jaja kely raike Ijy die nataone teo agnivondreo. Nitrotroine tegny amin'ny sandrine ijy ary nijaka tamindreo hoe:37" Na ija na ija mandray ny jaja hôtran'ny njao amin'egnarako, die mandray Anahe koa, ary laha misy mandray Anahe, die tsy mandray Anahy rery ijy, fa Ilay nagniraka Anahe koa."38Hoy Jaona taminajy hoe: "Mpampianatr'ô, nahita olo namôke demonia tamin'ny agnaranao ahay ary niraranay ijy, satria tsy magnaraka antsena."39Fa Jesôsy nagnano hoe: "Aja mandrara anaje, fa tsy misy olo hagnano asa angeja aminegnarako nefa vetivete afaranijay die hijaka raha ratsy momba Anahy.40Na ija na ija tsy manohitra antsena die momba antsena.41 Na ija na ija magnome anao rano eran'ny Kôpy hinomina satria an'i Kristy anao, die jakaiko aminao marina tokôtre, fa tsy ho very ny valim-pitiane.42Fa na ija na ija manafitohigna ny iraike aminareo kely mino Anahy ireo, die tsara ho anaje ny agnantognana vato angeja fikoseham-bary mifehy eo amin'ny tendany ary halavo agny an-dranonomasina.43 Laha ny tagnanao no mahatonga anao ho tafitohigna, tapaho ijane. Fa tsara aminao ny miditre kilemaina agny amin'ny fiegnana hôtranijay managna tagnan-droe ary handeha agny amin'ny helo, agny amin'ny afo tsy mety vonina.44 [Fagnamarihana: Ny fandikana tsara indrindra die tsy magnisy ny fehejanteny ao amin'ny andignine faha 44 sy 46 hoe: '"Ijay tsy maty mihitsy ny vikin'dreo ary ny afo tsy ho faty mandrakijay.'"]45Laha ny hongotrao no manafitohigna anao, tapahy ijane. Tsara kokoa aminao ny miditra mandringa agny amin'ny fiegnana nohon'ny managna tongotra roe ary hariena agny amin'ny helo.46[Jereo ny fagnamarihana amin'ny andignine faha 44]47Laha ny masonao no manafitohigna anao, alay hiala ijany. Tsara aminao no miditre ny fanjakan'Andriamanitre miaraka amin'ny maso tokagna hôtran'ijay maso roe ary hariena agny amin'ny helo, 48agny amin'ny toerana ijay tsy mafaty ny vikindreo, ary ny afo tsy mety vonina.49Fa ny olo aby die samby ho voasira amin'ny afo. 50Tsara ny sira, fa laha ny sira no tonga matsatso, ahôna no ahafahanao magnamasigna anajy indraika koa? Asio sira ao aminareo, ary mihavàna amin'ny kiraidraike aby."Chapter 10
1Nenga teo amin'ijany toerana ijany Jesôsy ary nandeha tagne amin'ny faritr'iJodia sy tegny amin'ny faritra ambanin'ny reniranon' i Jordana, ary nenga eo amin'Aje koa ny vahôke. Ary araka ny fataone, die nampianatre an-dreo koa Ijy. 2Die nagnatogna an'Aje ireo fariseo mba hitsapa an'Aje ka nagnadina hoe: "Ara-dalàna ho an'ny lelahy ve ny misaraka amin'ny vadine?" 3Namaly Ijy hoe: 3Ino no nandidian'i Mosesy anareo?" 4Die hoy areo hoe:'Mosesy die namela lelahy raike hanoratra taratasy fagnamarignana fisaraham-panambadiena ary mandefa an'aje avy eo."5Hoy Jesôsy tamin-dreo hoe: "Nohon'ny hamafin'ny fonareo no nanoratane ho anareo ijany lalàna ijane." 6Fa tagny am-piandohan'ny famorognana, 'Andriamanitra nagnano an-dreo ho lahy sy vave.7Amin'ijany antony ijany die handao ny abany sy endriny ny lahy ka hitambatre amin'ny vadine, 8ary hanjary ho nofo raike ijy roe. Ka tsy roa koa areo, fa ho nofo raika mandy. 9Koa ijay natambatr'Andriamanitra, die ôka tsy ho sarahan'olombelogna."10Ary laha tao an-dragno areo, die mbola namerigna nagnotane mikasika ijany mandy ireo mpianatre. 11Hoy Ijy tamin-dreo hoe: "Na ija na ija lelahy misarake amin'ny vadine ka magnakatre viavy hafa die mijangajanga. 12Laha misaraka amin'ny vadine ny viave ka manambady lelahy hafa, die mijanganjanga ijy."13Avy eo areo dia nitondra ny jana-dreo teo amin'Aje mba hametrahany tagnana, fa novigniran'ireo mpianatra areo. 14Fa laha nahatsikaritre ijany Jesôsy dia vignitra mafy Ijy ka nijaka tamin-dreo hoe: "Abelao ny jaja hagnatogna an'ahe, ary aja raràna areo fa ny fanjakan'Andriamanitra die an'ireo ijay hôtran-dreo.15Jakaiko aminareo marina tokôtre, na ija na ija tsy mandray ny fanjakan'Andriamanitra hôtrin'ny jajakele die tsy hiditre ijany amin'ijany velivele." 16Avy eo die notrotroine ireo jaja ireo ka notsofiny rano sady nametrahane tagnana.17Ary laha nanomboke ny diany Ijy, die nisy lelahy nihajakajake ka nandohalika teo ankatrehane, ary nagnadigna hoe: "Ry mpampianatra tsara , ino no tsy mentsy ataoko mba handovàko ny fiegnana mandrakijay?" 18Jesôsy nagnano hoe: "Nahôna no jakainao hoe tsara iaho? Tsy misy tsara, afa tsy Andriamanitra raika mandy. 19Fantatrao ny didy hoe:'Aja mamono olo, aja mijangajanga, aja mangalatre, aja mijoro ho vavolombelogna tsy marina, aja mamitake, hajao iabanao sy iendrinao'."20Die hoy ilay lelahy hoe: "Mpampianatrô, efa narahiko hatramin'ny fahatanorako lahatagne ireo abiaby ireo." 21Nijaha an'aje Jesôsy die tia an'ajy. Ary hoy Ijy tamin'ajy hoe: "Misy raha banga raike ao aminao.Tsy mentsy amidinao ijay abiaby anagnanao ary amena ny misotry ijany, die hanagna harena agny an-dagnitra anao. Avy eo magnaraha an'Ahe. 22"Fa noho ijany filajana ijany die nalahelo ijy ka nandeha nangasiasy, satria nanagna fanagnam-be tokôtre ijy.23Nijaha ny magnodidigna an'Ajy Jesôsy ary nijaka tamin-dreo mpianany hoe; "Tena sarotre ho an'ireo managna harena be ny miditra ny fanjakan'Andriamanitra! 24Die jendagna tamin'ny jakane areo mpianatre. Fa hoy koa Jesôsy tamin-dreo hoe: "Anaka sarotre ny fidirana ao amin'ny fanjakan'Andriamanitra! 25Mora loholoho ho an'ny rameva ny miditra amin'ny vody fanjaitre, noho ny hidiran'ny mpanankarena ao amin'ny fanjakan'Andriamanitra."26Die mbola jendagna koa ny mpianatra ary die nifagnadina areo hoe: "Ija ijany no afaka ny ho vôvonjy? "' 27Nijaha an-dreo Jesôsy ary hoy Ijy hoe: ''Tsy vitan'olo ijany, fa vitan'Andriamanitra. Satria ny raha abiaby die hain'Andriamanitra amboarina." 28Die nanomboka nijaka tamin' Ajy Petera hoe: "Jahao ahay ireto die nahafoy ny raha abiaby ary nagnaraka Anao. "29Ary hoy Jesôsy; "Jakaiko marina aminareo, tsy misy olo ijay nandao ny tragnone, na ny rahalahine, na ny rahavavine, na ny endrine, na ny abane, na ny janagne, na ny tanine noho ny amin'Ahe, sy ny filajantsara, 30ka tsy nahajo avo jato heny amin'ijao taonjato ankehitriny ijao: die tragno, rahalahy, rahavavy, rene, janake sy tane, miaraka amin'ny fagnenjehana, ary amin'ny taonjato ho avy, die ny fiegnana mandrakijay. 31Fa betsake ny vôlohane ho lasa farane, ary ny farane ho lasa vôlohane."32Tegny an-dalagna areo, hiakatra ho agny Jerosalema, ary Jesôsy nandeha neloha an-dreo. Jendagna ireo mpianatre, ary ireo ijay nagnaraka an Aje tao afara die natahotra. Nangehin 'i Jesôsy ho eo amin'Aje koa ijy roambinifolo ary die nanomboka nijaka ijay raha hanjo an'Aje tsy ho ela Ijy. 33"Jahao, miakatre ho agne Jerosalema antsena ijao, ary ny Janak'Olo die atolotra ny mpisoronabe sy ny mpanora-dalàna. Ho helohin-dreo ho fate Ijy ary hatolone amin'ny Jentilisa. 34Ireo die hagneso an'Aje, handrora an'Aje, handamoka an'Aje, hahafate an'Aje. Fa afaka telo andro die hitsangana amin'ny maty Ijy.''35Jakoba sy Jaona, Janak'i Zebedio, nagnatogna an' Aje ary nijaka tamin' Ajy hoe: "Mpampianatrô, mba tianay laha mba amboarinao ijay raha abiaby angatahanay aminao.'' 36Die hoy Ijy tamin-dreo hoe: "Ino no tianareo ho ataoko ho anareo?" 37Hoy areo hoe : Avelao ahay hiara-hipetraka aminao ao amin'ny voninahitrao, ka ny raike eo an-tagnana ankavananao ary ny raike ankavianao."38Fa Jesôsy namaly an-dreo hoe: ''Tsy fantatrareo ijay angatahinareo. Anareo ve afaka misotro amin'ny kapôka ijay hisotroako na hiaritre hatao batisa amin'ijay hanôvana batisa an'Ahe?" 39Hoy areo taminy hoe: "Vitanay Ijane.'' Ary nijaka tamin-dreo Jesôsy hoe: " Ny kapôke ijay hinomiko, die hinomanareo, ary amin'ny batisa ijay hanaovam-batisa an'Ahe, no hanaovam-batisa anareo koa. 40Fa ijay hipetrake an-tagnana an-kavanako na eo ankaviako koja die tsy miankigna amin'Ahy ijany, fa ijany die ho an'ireo ijay nagnomagnana ijany.41Laha naharegny ny momba ijany ireo mpianatra folo hafa, die nanomboka vignitre mafy tamin'i Jakoba sy Jaona. 42Nangehin'i Jesôsy ho eo amin'Aje areo ary nijaka hoe:'' Fantatrareo fa ireo ijay heverina ho mpanapaky ny Jentilisa die mampanompo an-dreo, ary ny lehibe mpifehy an-dreo die magnampatra fahefana amin-dreo.43Fa tsy tokony ho hôtran'ijane ny aminareo. Fa na ija na ija magniry ho lehibe aminareo die ôke ijy ho mpanomponareo, 44ary na ija na ija magniry ho vôlohane aminareo die ôke ijy no andevonareo abiaby. 45Fa ny Janak'olo tsy avy mba ho tompoina, fa mba hanompo, sy hagnome ny aigne ho takalon'aigna ho an'ny maro."46Tonga tao Jerikô areo. Laha nivoaka ny tanàna niaraka tamin'ny mpianany sy vahôke rahabe Ijy, ny Janak'i Timeô, Bartolomeô, ijay mpangatake sady jamba, nitoboke teo amoron-dalagna. 47Laha naharegny ijy fa Jesôsy avy agny Nazareta ijany, dia nanomboka nihiakiaka mafy ijy ary nijaka hoe:'' Ry Jesôsy, Janak'i Davida ô, mamindra fo amin'ahe! 48"Be no nijaka an'ajy mba hangigna. Fa vô meke ijy nihiakiake mahare hoe: "Ry Janak'i Davida ô, mamindra fo amin'ahe!"49Nijanogna Jesôsy ary nampangaike an'aje.Nangehin-dreo ilay jamba,ary nojakaine hoe: ''Mahereja! Mitsangàna! Mangaike anao Ijy. " 50Narene ny lambane, ary nitsangagna,ka nenga eo amin'ny Jesôsy ijy:51Dia namaly an'aje Jesôsy ary nijaka hoe: "Ino no tianao hamboariko aminao?" Hoy ilay lelahy jamba hoe: "Raby ô, te-hahiratra aho." 52Ary hoy Jesôsy taminy hoe: '' Mandihana. Ny finônao no nahavonjy anao. "Die nahita niaraka tamin'ijay ny masone, ary nagnarake an'i Jesôsy tegny an-dalagna ijy.
Chapter 11
1Ary laha nenga tagny jerosalema areo, die nagneke an'i Betifaga sy Betania, agny antendrombohitry Oliva, ary Jesôsy nagniraka roe tamin'ireo mpianatrany2ary nijaka taminijy ireo hoe: "Mandihana amin'irôy vohitra kely alohantsena irôy. Laha vantany taviditra ao anareo, die hahita jana-boriky raike bola tsy nidiban'olo. Tataho ijy die indôsy aminahy atoy. 3Laha misy olo mijaka aminareo hoe: 'Nagnino anareo no magnano anijao?' die atôvy hoe: 'Misy ilan'ny Tompo anaje die hampody malaky atoy ijy.'"4Nenga nivôka ijy ireo die nahita jana-boriky raike nifehy teo ambohi-tragno agnilan'ilay varangaragna raike eo amoron-dalangna, ary nitatahan'ijy ireo ny fehine.5Nisy olo saragne nijoro teo ary nijaka tamin'ijy ireo hoe: "Ino ataonareo itoy, manataka io jana-boriky io?" 6Die nijakaindreo tamin'ijy ireo ny jakan'i Jesôsy tamindreo, ary nabelan'olo henga amin'ny lalandreo areo.7Ary nindôsine mpianatra rôlahy tamin'i Jesôsy ny jana-boriky die nataone tambonin'ijay ny lambandreo ka afaka nideba anajy Jesôsy. 8Be ny olo namelatra ny lambane tegny andalagna, ary nisaragny koja namelatra ratsan-kajo ijay nitapahiny avy tagny ankarenana.9Ireo jay nenga taloha sy ireo nagnaraka Anaje nagnatsogantso hoe: " Hôsana! Deraina ilay raike avy amin'ny agnaran'ny Tompo.10Deraina ny fanjakana ho avin'i Davida raintsena! Hosana avy amin'ny ambony indrindra!"11Aviteo Jesôsy die niditre tao jerosalema ka nandeha tao ankianjan'ny tempoly ary nijahajaha ny raha manotolo. Ary, efa nihaaligna ny andro, die nijotra nandeha tagny Betania Ijy sy ireo roeambifolo lahy.12Ny andro magnarake, laha nipody avy tagny Betania ijy ireo, die mosaregna Ijy.13Ary nahita hajon'aviavy raike nandravogna avy terôy lavidavitre, die nagnantogna Ijy hijaha laha misy voany teo aminy, ary laha nandeha aminajy Ijy, die tsy nahita n'ino n'ino afa tsy ravigna fotsiny, tsy mbola taom-pamojan'ny aviavy taminio. 14Ary Ijy nijaka tamijay hoe: "Tsy hisy hihinagna ny voa avy lahataminao koa mandrakijay." Ary ny mpianatrany naharegny anijany.15Nandeha tagny Jerosalema ijy ireo, ary niditra tao ankianjan'ny tempoly Ijy ary nanomboke nandrôke ny mpivarotra sy mpividy manotolo tao. Nalavone ireo latabatr'ireo mpanakalo vola sy ny sejan'ireo mpivarotra voromamanga. 16Tsy nagneky an'ija n'ija hitondra raha ijay ajo amidy hiditra ny kianjan'ny tempoly Ijy.17Die nampenariny areo ka nijaka hoe: "Tsy efa vôsoratra ve hoe: 'ny tragnoko die angihana hoe tragno fivavahana hoan'ny firenena manotolo'? Nefa nataonareo ho zohy fivonen'ny mpangalatra."18 Regnin'ireo lohan'ny mpisorogna sy ireo mpanora-dalana ijay nijakainy, die niremby fomba hamonô Anajy ijy ireo. Fa natahotra Anajy areo satria ny vahôka manotolo die varegna tamin'ny fampenarany.19 Laha avy ny hariva, die nenga ny tanàna ijy ireo.20Ary laha nenga ijy ireo ny nandraigna, die nahita ilay hajon'aviavy nalajo hatrami'ny vahane.21 Ary Petera nahatsiaro ka nijako hoe: "Raby ô, jahao! nalajo ilay aviavy nitsitsihinao."22Jesôsy namaly anajy ireo hoe: "Managna finôna an'Andriamanitra.23 Jakaiko aminareo marina tegnany fa n'ija n'ija mijaka amitoy tendrobohitra itoy hoe: 'Mitsangàna ka milavoa agny an-dranomasina,' ka laha tsy misy fisalasalana ao am-pony fa mino fa hiseho aminajy ijay nijakaine, die hôtran'ijay no hamboarin'Andriamanitra.24Noho ijany Iaho mijaka aminareo hoe: Ijay rehetra hivavahanareo sy angatahin'areo, minoa fefa nandray anijany anareo,die hoajonareo ijany. 25Laha mijoro sy mivavaka anareo, die tsy mentsy mamela ijay alahelo manotolo anagnanareo amin'ija amin'ija anareo mba havelan'ny Rainareo ijay agny andagnitra mandy koa ny fahotanareo. 26[Fagnamarihana: Ny fandikana tsara indrindra die tsy magnisy ny hoe (jahao amin'ny Mat. 16: 15) Mk. 11: 15) "Fa laha tsy mamela heloka koja anareo, die tsy hamela ny fahotanareo mihitsy koa ny Rainareo Ijay agny andagnitra."]27Die niakatra ho agny Jerosalema koa ijy ireo. Ary laha nandehadeha tao ankianjan'ny tempoly Jesôsy, die avy nagnantogna Anajy ny lohandohan'ny mpisorogna, ny mpanora-dalana ary ireo loholona.28 Hoy ijy ireo taminy hoe: "Fahefana avy aja no agnamboaranao io raha io, ary ija no nagnome Anao fahefana hagnano anio?"29Jesôsy nijaka tamin'ijy ireo hoe: "Hametraka fagnotanena raike aminare Iaho. Jakay Aminahe die hi-jakaiko aminareo hoe fahefana avy aja no agnamboarako anireo raha ireo. 30 Ny batisan'i Jaona, avy agny andagnitra ve ijany sa avy amin'olo? Valio Iaho."31Nifampidinika miarake ijy ireo sady nifamaly sy nijaka hoe : "Laha mamaly antsena hoe: 'Avy agny andagnitre,' die hijaka Ijy hoe: 'Fa nagnino are tsy nino anajy anareo?' 32Fa laha mamaly koja antsena hoe: 'Avy amin'olo,'..." Nangoaigna ny olo ijy ireo, satria resy lahatra ny olo manotolo fa Jaona die mpaminagny tokôtre.33 Aviteo namaly an'i Jesôsy ijy ireo ka nanao hoe:"Tsy fantanay."Dia hoy Jesôsy tamin'ijy ireo hoe "Iaho mandy koa die tsy hijaka aminareo hoe fahefana avy aja no hanôvako an'ireo raha ireo."Chapter 12
1Nanomboke nampianatre ajy ireo tamin'ny alalan'ny fagnoharana. Hoy Ijy hoe: ''Nisy lelahy nambôtre tanim-bôloboke, nagnisy fefe magnodidina ijany, ary nandavake famiajana. Nanangana tilikambo ijy die avy eo nampagnofa ilay tanim-bôloboke tamin'ny mpamboly vôloboke. Die nenga lavitre tokotre ijy avy eo. 2Tamin'ny fotôgna mete, die nagnirake mpanompo hoagne amin'ny mpamboly vôloboke ijy mba hangala amin-dreo ny saragne amin'reo ijay tokone ho anjarane amin'ny vokatr'ilay ny tanim-bôloboke.3 Fa nosamborin-dreo ijy, nirabohine, die niroahine tsy hitondra na ino nino.4Nagnirake mpanompo hafa ho agny amin'ijy ireo indray ijy, die noratrain-dreo teo amin'ny lohane dia nalaine baraka.5 Die mbola nandefa hafa mandy ijy, ary novoinoin-dreo io raike io. Nataon-dreo hotran'ijay ireo maro hafa, nirabohine ny sasagne ary novonoine ireo hafa.6Mbola nanagna olo raike hafa hirahina ijy, die ny janagne malalany. Ijy no farany nalefane tagny amin-dreo. Hoy ijy hoe: ''Mba hagnaja ny janako lahy ijy reo.7 ''Nefa nifampiresaka areo mpamboly vôloboke hoe: ''Inty ilay mpandova. Avia, andao ho vonointsena ijy, die ho ajontsena ny lova.''8Nosamborin-dreo ijy, die novonoine, die natipine tagny ivelan'ny tanim-bôloboke.9 koa, ino are no hataon'ny tompon'ny tanim-bôloboke? Ho tonga ijy ka handripake areo mpamboly vôloboke ary hagnome ny tanim-bôloboke ho an'ny hafa10Tsy nivakianareo angahatre ijao Soratra Masina ijao? 'Ny vato ijay nolavin'ny mpagnorign-tragno, no ataovato fehijoro.11 Avy tamin'ny Tompo ijany ary die jendajendagna mandy eo anatrehantsena."'12 Nandrembe ny hanamborana an'i Jesôsy ijy reo, fany nangoaigna ny fokon'olo, satria fantan-dreo fa hanoherana ajy ireo no nitenenane ijany fagnoharana ijany. Koa die nabelan-dreo Izy ary lasa nandeha andreo.13Die nagnirake ny Fariseo sy Herodiana ny sasagne hoagny Aminy mba hamandrike Ajy amin'ny jakany ijy reo.14 Laha avy an-dreo, die hoy areo taminy hoe: ''Mpampianatra ô, fantatray fa tsy mivakiloha ny hevitr'olo Ianao, ary tsy maneho fiangarana eo amin'olo. Mpamianatra marina ny lalan'Andriamanitra Ianao. Ara-dalana ve sa tsiare ny magnefa hetre amin'i Kaisara? Tokone hagnefa hetra ve ahay sa tsiare ?15 Fa fantatr'i Jesôsy ny fiatsarahambelatsihin-dreo ka nijaka an-dreo hoe: '' Nagnino anareo no mitsapa Anahe.''16Die nitondran-dreo vola raike Jesôsy. Hoy Ijy tamin-dreo hoe: ''Endrik'ija itoy sary sy soratre itoy?'' Hoy ijy hoe: ''An'i Kaisara.''17 Hoy Jesôsy hoe: ''Omeo an'i Kaisara ijay an'i Kaisara, ary omeo an'Andriamanitre ijay an'Andriamanitre.'' Die jendagna taminy ijy ireo.18Avy eo ireo Sadoseo, ijay magnambara fa tsy misy ny fitsanganana amin'ny maty, die tonga teo aminy. Nagnotany Anajy areo, nagnano hoe: 19''Mpampianatro ô, nanoratre ijao ho anay Mosesy hoe: 'Laha mate ny ralahin'ny lelahy iray ary namela vady ijy, nefa tsy mba nanagna anake, die tokone hanambady ilay vadin'ny rahalahiny ilay lelahy, ka hanagna taranake ho an'ny rahalahine.'20Nisy fito mirahalahy; nanambady ilay vôlohany ary mate, tsy nagnabela taranake. 21Avy eo nangala anajy ny faharoa die mate , tsy nagnabela taranake, die hotran'ijay koa ny fahatelo. 22Tsy nisy nagnabela taranake ijy fito. Ny farane indrindra, maty koa ilay ramatoa. 23Amin'ny fitsanganana amin'ny maty, rehefa nitsangana indray areo, die ho vadin'ija ijy? Satria samby nanambady anaje dahôlo ijy fito mirahalahy.''24Die hoy Jesôsy hoe: ''Tsy ijany ve no antony maha-diso hevitre anareo, satria tsy fantatrareo na ny Soratra Masina na ny herin'Andriamanitra?25 Satria laha mitsangana amin'ny mate ijy reo, die tsy hanambady na hatolotre amin'ny fanambadiana, fa hôtran'ny anjely agny an-dagnitre.26Fa mahakasike ny amin'ny fitsanganan'ny tegna amin'ny maty, tsy nivakinareo ve ny tao amin'ny bokin'i Mosesy, ao amin'ny andalagne momban'ilay voaroy, ny nivorianin-Andriamanitra taminy ka nijakane hoe: 'Iaho no Andriamanitr'i Abrahama sy Andriamanitr'Isaka ary Andriamanitr'i Jakoba'?27 Ijy die tsy Andriamanitry ny mate, fa an'ny velogna . Somary diso hevitre anareo.''28Nisy raike tamin-dreo mpanora-dalàna tonga ary naharegne ny vorian'ijy reo; hitane fa novalen'i Jesôsy tsara ijy reo. Die nagnotane Anaje ijy hoe: ''Ino no didy lehibe indrindra amin'ijy aby?''29 Jesôsy namaly hoe: ''Ny lehibe indrindra die ny hoe: 'Mitenoa ny Tompo Andriamanitsika, ry Israely, raike ny Tompo.30Tsy maintsy mitia ny tompo Andriamanitrao amin'ny fonao raimanontolo anao, amin'ny fagnahinao manontolo, amin'ny saignao manintolo, sy amin'ny herinao raimanontolo.' 31Itoy no didy faharoe: 'Tsy maintsy mitia ny akamanao hôtran'ny tegnanao anao.' Tsy misy hafa lehibe mihôtre noho ireo.''32Hoy lay mpanora-dalàna hoe: ''Tsara ijany ry Mpampinatre! Voalajanao marina fa Andriamanitra die raike, ary tsy misy hafa-tsy Ijy. 33Ary ny mitia ajy amin'ny fo raimantolo sy amin'ny saigna manontolo sy ny hery manontolo , ary ny mitia ny akama hotran'ny tegna, die tsara lavitre mihôtre ny fagnatitre nirôna sy ny sorogna aby.'' 34Laha hitan'i Jesôsy fa nagnome valin-teny hendry Ijy, die nijaka taminy Ijy hoe: ''Tsy lavitre ny fanjakan'Andriamanitra ianao.'' Ary tafaran'ijany, die tsy nisy olo nahasahy nametraka fagnotaniana tamin'i Jesôsy koa.35Namaly Jesôsy, laha nampianatra tao amin'ny tempoly Ijy; die hoy Ijy hoe: ''Ahôna moa no ijakan'ny mpanora-dalána fa kristy die janak'i Davida? 36Davida tegnane, tamin'ny Fanahy Masina, nagnano hoe: 'Ny Tompo nijaka tamin'ny Tompoko hoe: mitoboha eo an-tagna-kavanako, mandram-panaoko ny fahavalonao ho fipetrahan-tongotrao.'37 Davida tegnany aja nagnatso Ajy hoe 'Tompo ,' koa ahôna no maha janak'i Davida an'i Kristy?'' Niheno Ajy tamim-pifalena ireo fokon'olo rahabe.38Tamin'ny fampianarany Jesôsy die nijaka hoe: '' Mitandrema amin'reo mpanora-dalàna, ijay tia mandehandeha amin'ny akanjo lava ary tian-dreo ny fiarabana ajon-dreo egny an-tsena 39ary tian-dreo ny mahajo ny seja vôlohane agny amin'ny synagoga sy ny toerana vôlohany agny amin'ny fety.40 Mandroba ny tragnon'ireo mpivantotre ijy reo, ary magnano vavake lava be mba ho hitan'olo. Ireo lelahy reo die mandray fagnamelohana angejabe tokôtre.41Avy eo Jesôsy nitoboke tandrify ny vatan-drakotre tao amin'ny faritre ny tempoly; nijaha reo olo aby ijay nandrosake vola tao amin'ny vatan-drakotre. Mpanakarena rahabe no nanadatsake vola maro be tao. 42Die nisy viavy misotry mivantotre raike avy nandrotsake farantsakely roe, ijay kele variroavihy oharina amin'ny iraimbilanja.43Die nantsoine ireo mpianatrane die hoy ijy tamin'dreo hoe: ''Jakaiko aminareo marina tokotre, fa ty viavy misotry mivantotre ity no nandrosake rahabe mihôtre amin'olo jay nandrosake vola tao amin'ny vatan-drakitre.44 Satria ny abiaby die nagnome tamin'ny fagnanam-ben-dreo. Fa ty mpivantotre ity koja, tamin'ny sotrine, die nandrotsake ny vola aby ijay tokony hivelomane tao.''Chapter 13
1Ary laha niala tao an-kianjan'ny tempoly Jesôsy , die nijaka tamin'ny raike tamin'ny mpianany hoe: " Mpampianatrô , jahao ny hatsaran'ny vato sy ny hatsaran'ny rafitre! ''' 2Hoy Ijy taminy hoe: '' Hitanao ve ireto rafitra ngezabe ireto? Tsy habela hisy vato irake hifanengina eo ka tsy ho ravana.''3Ary laha nitoboke teo an-tendrombohitr'Oliva tandrifin'ny tempoly Ijy, die nagnadigna an'Aje mangingigna Petera, Jakoba, Jaona sy Andrea hoe: 4''Jakao aminay amivena no hibôke Ijany raha abiaby ijany? Ino no famantarana laha hibôke ireo raha ireo? "56Ary Jesôsy nanomboke nijaka tamin-dreo hoe : ''Mitandrema mba tsy hisy olo hampivily lalagna anareo. Fa maro no ho avy amin'ny Agnarako sy hijaka hoe; Iaho no ijy ary maro no ho voafitagne.7Laha maharegny ady sy resabe momba ny ady anareo, die aja magnahe; tsy mentsy mibôke ireo, fa tsy mbola ijay no farane. 8Fa hisy firenena hitsangagna hamely firenena ary fanjakana hamely fanjakana. Ary hisy horohoron-tany amin'ny toerana rahabe, sady hisy mosare. Ijany no fiatombohan'ny fahoren'ny fiterahana.9Mitandrema anareo. Ho atolo-dreo amin'ny Synedriona anareo, die holamohine ao amin'ny synagoga.Hitsangagna alohan'ireo mpanapaka sy ireo mpanjaka noho ny Amin'ahy anareo, ho vavolombelogna amin-dreo. 10Fa ny filajantsara die tsy mentsy ho toriana any amin'ny firenena abiaby aheke.11Laha manambotre sy manolotre anareo areo, die aja mangoaigna amin'ijay mety ho jakainareo. Fa amin'ny lera farane igny, die homena anareo ijay tokony ho jakainareo; tsy anareo akory no hijaka fa ny Fanahy masina. 12Ny rahalahy hanolotra ny rahalahiny ho faty, ary ny ray hanolotra ny janagne. Ny janaka hitsangagna hanohitre ny abane amin'ny endrine ka hahafate an-dreo. 13Ho halan'ny olo abiaby anareo noho ny Agnarako. Fa na ija na ija mahadigny hatramin'ny farane die ho voavonjy ijany olo ijany.14Fa laha hitanareo mitsangana amin'ny tokony tsy hitsanganane ny fahavetavetany fandravana(Öka hisaigna ijay mamaky) die ôka ijay avy any jodia rehetra hilefa egny an-tendrombohitre. 15Ijay ao an-tampon-tragno ôka tsy hijotso ao an-dragno na hamoaka raha avy ao amin'ijane, 16die ijay agny an-karegnana ôka tsy himpody hangala ny lambane.17Lojan'ireo viave betroke sy ijay mampinono amin'ijany andro ijany! 18Mivavaha anareo mba tsy ho amin'ny andro rirignina no hitrangan'ijany. 19Fa hisy fahorena be ijay mbola tsy nisy lahatamin'ny vôlohane, laha namorogna ijao tontolo ijao Andriamanitra, tsiare, fa mandrakijay tsy hisy koa ijany. 20Ary laha tsy hoe nafohejin'ny Tompo ijany andro ijany, die tsy hisy nofo ho vôvonjy. Fa noho ny olombôfidy ijay nofidine, die nafohejin'e isan'ijane andro ijane.21Ary laha misy olo mijaka aminao hoe: ''Jahao atoy ilay Kristy! na koa hoe: Jahao erôy ijy! die aja mino ijany. 22Fa hisy Kristy sandoke sy mpaminany sandoke hibôke haneho famantarana sy fahazindagnana mba hamitahana, na die ny olom-boafidy aja, raha ajo atao. 23Membena! efa vôjakako taminareo meloha ny fotôgn'ireo raha abiaby ireo.24Kanefa afaran'ireo fahoren'ireo andro ireo, die hihamejigna ny masoandro, ny volagna tsy hagnome ny hajavane, 25ireo vasiagna hirarake avy hategny an-dagnitre ary ireo hery ijay ao an-dagnitre ho hojongojognina. 26Ka ho hitandreo ny Janak'olo avy lahategny amin'ny rahogna amin'ny hery lehibe sy voninahitre. 27Die hagnirake ny anjeline Ijy ka hamory miarake ireo olom-bôfidine avy agny amin'ny vajan-tany efatre, avy agny amin'ny faran'ny tany ka hatramin'ny faran'ny lagnitre.28Mangalà lesona avy amin'ny hajon'aviavy. Laha vô manaroke sy mandravigna ny rantsagne, die fantatrareo fa mariny ny lohantaogna. 29Hôtran'ijany koa laha vô mitranga ijany raha abiaby ijany, die fantatrareo fa mariny Ijy, marivo ny vavahady.30Jakaiko aminareo, marina tokôtre itoy taranaka itoy die tsy ho lane ritre mandra-piboahan'ijany raha abiaby ijany. 31Ho levogna ny tany sy ny lagnitre fa ny teniko tsy mba ho levogna mandrakijay. 32Fa ny mahakasike ijany andro na lera ijany, die tsy misy mahalala, na ireo anjely agny an-dagnitre aja, na ny janake, fa ny Ray mandy.33Mitandrema! Membena,satria tsy fantatrareo ny lera.( fagnamarinana: Ireo fahefana taloha die hoe:Mitandrema! Membena ary mivavaha satria...) 34Ijany hôtran'ny lehilahy raike handeha lavitre_nenga ny tragnony ijy ka ireo mpanompone no nataone nendrekitre ny tragnone samby amin'ny raharahany aby, ary nandidy ny mpiambigna ijy mba tsy hoandre.35Kô membena, satria tsy fantatrareo hoe ovena no ho avy ny tompon-tragno; mety ho amin'ny sondrogn'andro ijany, na amin'ny sasak'alina, na magneno akoho,na maraigna. 36Fa laha avy tampoke ijy die aja avela hahita anareo mandry ijy. 37Ijay jakaiko aminareo dia jakaiko amin'olo abiaby koa: Membena!"
Chapter 14
1Ary roa andro melohan'ny Paka sy ny Fankalajana ny fihinanana ny mofo tsy misy masimasigna tamin'ijany. Nandrembe fomba hanamborana an'i Jesôsy mangingigna ireo lohan'ny mpisorogna sy ny Mpanoradalàna die hamono An'Ajy avieo. 2Die hoy areo hoe: "Aleo tsy amin'ny andro fety, ba tsy hapandregnina ny olo.''3Laha tagny Betania tao an-dragnon'i Simona boka Jesôsy, laha nidoboke teo an-databatra Ijy, die nisy viavy raike nagnantogna an'Ajy nitondra tavoara alabastara misy menaka lafo vidy, ijay narda tsy misy fangarone. Nivakine ilay tavoara die nararagne teo amin'ny lohany ijane.4 Nahavignitra ny olo saragne anefa ijany. Nifampivoria areo ka nagnano hoe: "Ino no anton'ijao fandanindaniam-pôgna ijao? 5Io menaka magnitra io die afaka namidy mihôtran'ny denaria telon-jato, ary namena ny misotry." Die naseke ilay viavy areo avy eo.6Nefa hoy Jesôsy hoe: "Abilao ijy. Nagnino anareo magnano ijay mampalahelo an'aje? Raha tsara no namboarine tamin'ahe.7 Ny misotry die eo aminareo fehijay, sady afaka hagnano asa soa hon-dreo fehijay anareo na amin'ny fotôgna ino na fotôgna ino, fa Iaho koja tsy hidoboke eo aminareo fehijay.8 Nagnano ijay ajony atao ijy: nagnosotra ny tegnako hômin'ny fandivegnana ijy.9 Jakaiko marina aminareo, n'aja n'aja hagnambarana ny filajantsara magneragna ijao rehetra ijao, die hijakaina ny namboarin'itoy viavy itoy, mba ho fahatsiarovana an'aje."10Avy eo Jodasy Iskariota, raika tamin'ijy rômbifolo lahy, lasa nenga amin'ireo lohan'ny mpisorona hahafahane manolotra an'Ajy amin-dreo. 11Laha naharegny ijany ireo lohan'ny mpisorona, die faly areo ka nampagnantegna hagnome vola an'aje. Die nanomboke nandrembe hevitre hanolorana an'Ajy amin-dreo ijy.12Tamin'ny andro vôlohan'ny fihinanana ny mofo tsy misy lalivay, laha nambôtre ny sorona ny ondrin'ny Paka areo, die hoy ireo mpianatrane tamin'Ajy hoe: "Aja no tianao hadihananay hikarakarana ny hanina, mba hinananao ny hanin'ny Paka?" 13Die nandefa roa tamin'ireo mpianatrane Ijy ka nijaka tamin-dreo hoe: "Mandihana agny an-tanàna, die hisy lelahy hitondra sihô feno rano hifanepake aminareo. Magnaraha an'aje.14 Ijay tragno hidirane, magnaraha an'ajy, die jakay ny tompon'ijany tragno ijany hoe: 'Hoy ny mpampianatra hoe: "Aja ny efitra fandresam-bahiny ahafahako miara-mihinagna ny Paka amin'ireo mpianatro?"'15Hagnatoro anareo efitra makadiry ambony rihagna misy fanaka ijay efa vognona tsara ijy. Ao no atôvy ny fagnomanana abiaby ho antsena."16 Die lasa ny mpianatra ary namonjy ny tanàna. Hitan-dreo arak'ijay efa nivorianine tamin-dreo ny raha abiaby, die nagnomagna ny hanin'ny Paka areo.17Laha aligna ny andro, die avy niaraka tamin-dreo rômbinifolo lahy Ijy. 18Laha nidoboke teo an-databatre sy nihinagna areo, die hoy Jesôsy hoe: "Jakaiko marina aminareo, fa ny raike aminareo ijay miara-mihinagna aminahe eto die hamadika an'Ahe?"19 Nalahelo mafy ijy abiaby, ka nijaka tamin'ajy ny kiraidraike hoe: "Tsy iaho mihitsy ijany?"20Jesôsy namaly ka nijaka an-dreo hoe: "Ny raike aminareo rômbifolo ijany, ilay raike miara-magnajoboka mofo aminahy agnaty lovia ijao" 21Fa ny Janak'Olo die henga amin'ny lalagna ijay efa nojakain'ny Soratra Masina mikasika an'ajy. Fa loja koja hôn'ijany lelahy ijay mamadika ny Janak'olo ijany. Tsara hôn'ajy loholoho aja laha tsy teraka ijy."22Laha bona teo am-pihinana areo, die nandray ny mofo i Jesôsy, nisôtre, ary nijarajara ijany. Nomeny an-dreo ijany sady nagnano hoe: "Reso, itoy no tegnako." 23Die nandray ny kapôka Ijy, nisôtre, ary nagnome ijany an-dreo, die nisotro tamin'ijany ijy abiaby. 24Die hoy Ijy tamin-dreo hoe: "Itoy ny ràn'ny fanekem-pihavanako, rà ijay atrotrake hôn'ny maro. 25Jakaiko marina aminareo, tsy hisotro itoy vokatry ny vôloboke itoy koa Aho mandra-pevian'ny andro ijay hisotrôko ijany indray agny amin'ny Fanjakan'Andriamanitra"26Laha avy nihira fiderana areo, die nenga tegny an-tendrombohitra'Oliva. 27Hoy Jesôsy tamin-dreo hoe: "Hienga anahy daholo anareo abiaby, fa vôsoratra hoe: "Handraha ny mpiambigna ondry Iaho ary hiparitaka ny ondry.'28Fa laha avy hatsangagna amin'ny maty Iaho, die heloha lalagna anareo ao Galilia."29 Die hoy Petera tamin'Ajy hoe: "Na die hienga daholo aja ny abiaby, iaho tsy mba hienga."30Hoy Jesôsy tamin'ajy hoe: "Jakaiko marina aminao, fa androany aligna, laha bona tsy magneno in-droa ny akoho, di'efa handà an'Ahy in-telo anao."31 Die hoy Petera hoe: "Na tsy mentsy hiara-maty aminao aja iaho, tsy mba handà Anao." Die samby nampagnantegna hotr'ijay daholo ijy abiaby.32Ary avy tagny amin'ny toerana angihina hoe Getsemane areo, die hoy Jesôsy tamin'ireo mpianatrane hoe: "Mitoboha eto laha bona mivavaka Aho." 33Die nitondra an'i Petera,sy Jakoba, ary Jaona niaraka tamin'Aje Ijy die nanomboka nalahelo sady ory tanteraka. 34Die hoy Ijy tamin-dreo hoe: "Sahiragna lôtra ny Fagnahiko, hôtrany efa ho fate. Mitoboha eto ka membena."35Nisitake kelikely Jesôsy, nenkohoke tamin'ny tany, die nivavaka Ijy mba laha tô ka ajo atao, die hiala amin'Aje ijany ora ijany. 36Hoy Ijy hoe: "Aba, Ray ô, ny raha abiaby hainao amboarina. Alay amin'Ahe itoy kapôka itoy. Nefa ôka tsy ny sitrapoko no amboarina, fa nenao."37Nipody Ijy die nahita an-dreo natory, die hoy Ijy tamin'i Petera hoe: "Simona, matory ve anao? Tsy nahefa niambigna ora raika ve anao?38 Membena die mivavaha mba tsy hidiranareo amin'ny fakam-pagnahy. Ny fagnahy mety majoto tokôtre, fa ny nofo no malemy." 39Die nenga ndraike Ijy nikisake kely ary nivavake, ary die namerigna ny teny namboarine teo aloha mandy.40Nipody indraike Ijy die nahita an-dreo natory, fa navesatry ny tory ny mason-dreo ary tsy hitan-dreo ijay nijakainy tamin'Aje.41 Nagnantogna fagnin-telony Ijy ka nijaka an-dreo hoe:"Bona matory sy miala vijaka mandy ve anareo? Ampy Ijay! Efa avy ny fotôgna. Jahay! Ny janak'Olo nivadihana hatolotra eo an-tagnan'ny mpanota.42 Mitsangàna; andao henga antsena. Jahay,efa mariny ilay hamadika an'Ahe."43Ary laha bona teo am-pijakana Ijy, die avy Jodasy, raika amin'ireo rômbifolo lahy, niaraka tamina vahôke betsake ijay nitondra sabatra sy langilangy, avy amin'ireo lohan'ny mpisorona, ny mpanoradalàna, ary ny loholona. 44Ary ilay namadika an'Ajy nagnome famantarana an-dreo, nijaka hoe: "Ijay horohako, Ijy ilay Ijy, sambory Ijy die ambeno." 45Laha avy Jodasy, die nagnantogna an'i Jesôsy avy hatragny ijy sady nijaka hoe: "Raby," die nagnoroka an'Ajy ijy. 46Avy eo die nisamborin-dreo Jesôsy.47Fa nisy raika tamin-dreo nitsangagna teo namôka ny sabatrane die namango ilay mpanompon'ny mpisoronabe ka nanapaka ny tadignine. 48Hoy Jesôsy tamin-dreo hoe: "Avy hanambotra an'Ahy, hôtrany hanambotra Jiolahy, miaraka amin'ny sabatra sy langilangy ve anareo? 49Tamin'Iaho teo aminareo isan'andro sy ny mpianatra teo amin'ny Fengonana, tsy nisam-borinareo. Fa namboarina ijao mba hahatomombagna ny Soratra Masina." 50Die nilefa an'Ajy daholo ireo abiaby niaraka tamin'i Jesôsy sady nivone.51Die nisy tovolahy raike, tsy nagnano afa-tsy akanjo hariry fotsine mandy, nagnaraka an'i Jesôsy. Laha nisamborin'olo Ijy 52die nabelany teo ny akanjony ka nenga nilefa niboridagna ijy.53Nindôsin-dreo tagny amin'ny mpisoronabe Jesôsy. Niara-nivorovoro tamin'Ajy teo daholo ny mpisorona abiaby, sy ny loholona, ary ireo mpanora-dalàna.54 Ary Petera nagnaraka an'Ajy avy egny lavidavitra egny, hatragny amin'ny tokontanin'ny mpisoronabe. Nitoboke teo amin'ireo mpiambigna ijy, ijay namindro teo akekin'ny afo.55Ary ireo lohan'ny mpisorona sy ny Synedriona Jiosy die nirembe vavolombelogna manohitra an'i Jesôsy mba hahafahan-dreo mamono an'Ajy ho fate. kanefa tsy nahita areo.56 Fa be ny nempanga vandy an'Aje, nefa na ny fempangan-dreo aja tsy mitombogna mihitsy.57Ary nisy olo saragne nitsangagna ka nilaja vandy an'Ajy; hoy areo hoe: 58"Regninay Ijy nijaka hoe: "Hiravaiko itoy fengonana nanboarina tàgnana itoy, ary ao agnatin'ny telo andro iaho die hanangagna raika hafa tsy namboarin-tàgnana." 59Fa bona tsy nifagnaraka mande ny fempangan-dreo.60Ary ny mpisoronabe nitsangagna teo amin-dreo die nagnontany an'i Jesôsy hoe: " Tsy manan-kavaly ve Anao? Ino ijany hempangan'ito olo ito Anao ijany?" 61Fa nangigna Ijy sady tsy nijaka n'ino n'ino. Die bona nangnontany an'Ajy mandy ny mpisoronabe ka nagnano hoe: "Anao ve no Kristy, Janak'Ilay vôtahy?" 62Die hoy Jesôsy hoe: "Iaho no Ijy; die ho hitanareo ny Janak'olo laha mitoboke eo an-tàgnankavanan'ny herin'Andriamanitra sy avy egny amin'ny rahon'ny lagnitre."63Ary ny mpisoronabe nandrota ny lambane sady nagnano hoe: "Bona miremby vavolombelogna mandy ve antsena?64 Efa regninareo ny fitenenan-dratsy. Ino ny fanapahan-kevitrareo?" Ijy abiaby die nagnameloka an'Anajy hôtrany ny olo mendrika ho faty. 65Ny saragne nanomboka nandrora an'Ajy ary nandrakotra ny vatagne ka nadraha an'Ajy ary nagnano tamin'Ajy hoe: "Maminania! Ary ireo manam-boninahitra nagnala an'Ajy ka nagnatokatoka an'Ajy.66Ary laha teo ambany teo an-tokotany Petera, die nagnantogna an'ajy ny raika tamin'ireo mpanompo vavin'ny mpisoronabe. 67Nahita an'i Petera nitsangagna namindro teo amin'ny afo ijy, die nifantariny mariny. Die hoy ijy tamin'ajy hoe: "Anao koa niaraka tamin'ilay Najariana, Jesôsy". 68Fa ijy nandà ijany, ka nagnano hoe: "Tsy fantako sady tsy ajoko ijay jakainao." Avy eo lasa nenga ny tokon-tany ijy. [Fagnamarihana: Ireo fandikana saragne magnampy hoe: "Die nagneno ny akoho," fa fireo fandikana taloha tsara indrindra die tsy misy an'io teny io.]69Fa ilay jajaviavy teo nahita an'ajy die nanomboka nijaka tamin'ireo olo nitsangagna magnodidigna indraika hoe: "Io lelahy io die raika amin-dreo!" 70Fa bona tsy nagneky ijany indraika ijy. Afaka kelikelin'igne die hoy ireo nitsangana teo tamin'ny Petera hoe: "Raika amin-dreo mihitsy anao, satria anao koa die Galiliana."71Fa nanomboka nanitsike tegnane sy nifantafanta ijy hoe: "Tsy fantako ijany lelahy jakainareo ijany." 72Ary niaraka tamin'ijay die nagneno in-droa ny akoho. Avy eo die nahatadidy ny jakan'i Jesôsy tamin'ajy Petera hoe: "Laha bona tsy magneno fagnin-droany ny akoho, die handa anahy intelo anao," Die nalahelo mafy ijy sady nitagny.
Chapter 15
1Vô mandraigna-be, die nivory ny mpisorogna-be niaraka tamin'ireo loholona sy ireo mpanora-dalàna ary ny Synedriona Jiosy iray manotolo. Nifihejindreo i Jesôsy die nindôsindreo nivôke. Namendreo an'i Pilato Ijy. 2Nagnotany Anajy i Pilato hoe: "Anao ve mpajankan'ny Jiosy?" Nivalene hoe: " Voalajanao." 3Nagnome fepangana rahabe manohitra an'i Jesôsy areo lohan'ny mpisorona4Nagnotane Anajy koa i Pilato hoe: " Tsy magnome valiteny ve Anao? Jereo ny haben'ny fitorena indaon'ijy ireo manohitra anao!" 5Fa tsy namale an'i Pilato koa i Jesôsy, die nahagaga anajy ijany.6Ary tamin'ny andro fifalefalena, die nandefa gadra raike ho andreo i Pilato, gadra ijay angatahindreo.7 Niaraka tao amin'ny mpitokogna tao andragnomejigna, teo amin'ireo mpamon'olo ijay vôtajogna nohon'ny fandresan'ijy ireo anjara tamin'ny fitokonana, die nisy lelahy raike angehina hoe Barabasy. 8 Die nagnantogna an'i Pilato ny vahôke ka nanomboke nangataka taminajy mba hambôtra ho andreo araka ny fataony tagny aloha.9Pilato namaly andreo ka nanao hoe: "Tienareo ve laha ny mpanjakan'ny Jiosy no halefako hônareo?" 10Satria fantane fa felognana no nagnomejan'ny lohan'ny mpisorogna an'ny Jesôsy taminaje. 11Fa nagnantegna an'ny vahôke ireo lohan'ny mpisorogna mba hihiekeke mahare -be fa tokony ho i Barabasy koja no halefa.12Die namaly andreo ireo mandy i Pilato ka nanao hoe: " Ino ary jane no tokony hatako amin'ny mpanjakan' ny Jiosy?13 "Die nihiekeke indraika koa ijy ireo ka nana hoe: " Homboy ijy!"14Hoy i Pilato tamin'ijy ireo hoe: "Ino ny ratsy namboarine?" Fa nihekeke fahijafahijay ijy ireo hoe: " Homboy ijy." 15Te hagnano ijay mahafam-po andreo i Pilato ka die navelane ho andreo i Barabasy. Nifihine i Jesôsy die avy teo namene mba homboina.16Nindan'ireo miaramila ho eo an-kianja Ijy (ijay toerana ampovône amin'ny fanjakana), ary die nangehindreo ny antoko miaramila manotolo.17 Napekanjoindreo lamba volomparasy i Jesôsy ary nirongo fehihiloha marangitre areo ka nampipetake anijany taminy.18 Die nanomboke niarahaba anaje ijy ireo sady nijaka hoe: " Arahaba, ry mpanjakan'ny Jiosy!"19Nifihindreo tamina volotara ny lohane sady nandrorandreo Ijy. Die nentongalike taminajy teo areo sady mody nidera Anaje. 20Laha avy nagneso anajy areo die nalaindreo taminajy koa ny lamba volomparasy ary nampekajoindreo anaje ny ankanjone manokagna, ary die nindandreo nivôka ijy mba hanomboana anaje. 21Nifôrisendreo ny mpandalo raike ijay avy lahatagne an-karenana mba hilanja ny hajo fijalen'i Jesôsy, lelahy raike angehina hoe: "Simona Kyreniana iaban'i Aleksandra sy Rofosy.22Nindôsin'ireo miaramila tagny amin'ny toerana atao hoe Gologota Jesôsy (ijay midika hoe "Toeran'ny karandoha"). 23Namendreo divay mifangaro miora Ijy, fa tsy ninogna anijany ijy. 24Die nihomboandreo ijy ary nifampijarandreo tamin'ny alalan'ny ankitsapaka ny fitafene mba hahalalana ijay ampahane resin'ny miaramila tsiraidraike.25Tamin'ny ora fahatelo Ijy no nanomboke nohomboan'ijy ireo. 26Ary teo amin'ny takela-kajo raike no nisoratandreo ny fepangana nanohitra Anajy hoe: "Mpanajakan'ny Jiosy. 27 "jiolahy roe no niarake nihomboindreo taminajy, ny raike teo ankavanane ary ny raika koja die teo ankaviane. 28 [ Fagnamarihana: ireo fandikana tsara indrindra die tsy magnisy ny marka hoe: " Die tontosa ny soratra masigna manao hoe: 'Natao ho isan'ny mpagnota Ijy.' ( ampitaho ny lioka 22: 35)]29Ireo jay nandalo teo die naniratsira Anaje, nihifikifi-doha ary nanaohoe: " Tsiare! Anao ilay afaka mandrava ny tempoly ary manangagna anijany agnatin'ny telo andro, 30vonjeo ny tegnanao ary midigna teo amin'ny hajofijalena io!"31Ny lohan'ny mpisorogna koa die nagneso Anajy tahaka anijany, niaraka tamin'ny mpanora-dalàna, ary die nijaka hoe: " Namonjy ny hafa Ajy, nefa tsy mahavonjy ny tegnany.32 ôka ilay Kristy mpanjakan'ny Israely hidigna avy eo amin'ny hajofijalena ba hohitanay sy hinônay", ary areo nihomboana niaraka taminaje koa die nagneso Anaje33tamin'ny ora fahenina die avy teo amin'ny tany abiaby ny hejigna hatramin'ny ora fahasivy. 34 Ary tamijany ora fahasivy ijany die nihiekeka tamin'ny feo mafy i Jesôsy hoe: "Eloy, Eloy, Lamà Sabaktany?" Ijay midika hoe: " Andremanitr'ô, Andremanitr'ô, nahôna anao nahafoy anahe?" 35Ny sasagny nitsangagna teo naharegny ny jakany ka nijaka hoe: '"Jereo, mangaika an'i Elia Ijy."36Nisy olo raike nihajakajake, namonto divay masimasigna ny sipaojy, ary nandrekitra anijany tamin'ny volotara, die nagnome anijany hinominy. Ilay lelahy nilaja hoe: " ôka ho hitanay laha avy hampidigna anajy eo i Elia. 37"Avy teo Jesôsy die nikiekeke tamina feo maharè die mate.38 Rota nijara roe lahategny ambony ka hatragny ambane ny lamban'ny tempoly.39Laha nohitan'ilay kapiteny ijay nitsangagna sy nifagnatrike tamin'i Jesôsy fa maty taminijany fomba ijany ijy, die hoy ijy hoe: "Tena Janak'Andriamanitra marina tokôtrany io lelahy io."40 Die nisy viavy koa nijery tegny lavitra tegny . agnisan'ijany Maria Magdalena, Maria (iendrin'ny Jakôba jandriny sy Josesy), ary Salome41 Tamin'Ijy tagny Galilia die nagnaraka Anaje sy nanompo Anajy areo. Ary viavy maro hafa koa no niaraka niakatra taminajy tagny Jerosalema.42Ka laha avy ny aligna, satria andro fiomagnana, ijany hoe, andro melohan'ny Sabata io,43 die avy teo Josefa avy agny Arimatia. Mpikambagna hajaina ao amin'ny Synedriona ijy, ijay nandigny ny Fanjakan'Andremanitra. Nanagna fahasahena ijy nandeha tagny amin'i Pilato hangataka ny fatin'ny Jesôsy.44 Gaga Pilato hoe maty sahady Jesôsy; die nangihany ilay kapiteny ary nagnotaneny anajy ijy raha maty Jesôsy.45Laha nahajo antoka tamin'ilay kapiteny ijy fa maty Jesôsy, die nameny an'i Josefa ny vatagna mangatsekany. 46Ary Josefa nividy hariry madinike. Nampidigna an'i Jesôsy teo ambony hajofijalena ijy, die namogno hariry madinika Anaje, ary nagnavela Anajy tao ampasagna ijay niloahany tao amin'ny vatolampy. avy teo nagnakodia vato kely tao amin'ny varavaram-pasagna ijy.47 Die hitan'i Maria Magdalena sy Maria iendrin'i Josesy ny toerana nandevegnana Anaje.Chapter 16
1Laha nifaragna ny andron'ny Sabata, die nivanga raha-magnitre hosorana amin'ny fatin'ny Jesôsy i Maria Magdalena sy Maria endrin'i Jakôba, ary Salome nivanga hagnitre mba henga ary hagnosotre ny fatin'i Jesôsy. 2Vô maraigna be tamin'ny andro vôlohany herignandro, die nandeha tegny amin'ny kibory areo laha niposake ny masoandro.3Die nifampijaka areo hoe: ''Ija no hanosike ny vato eo amin'ny varangaran'ny kibory amin-tsena?''4 Laha nijaha areo die hitany fa efa vôtosike nenga teo ilay vato, die tena angejabe tokotre.5Niditre tao an-kibory areo die jalahy nekanjo fotsy, die nitoboke teo an-kavanana, ary die jendagana areo.6 Die hoy ijy tamin-dreo hoe: '' aja mangoaigna. Mandrembe an'i Jesôsy anareo, ilay Nazarena, ijay nombohana. Nifoha Ijy . tsy eto Ijy. Jahao7 ny toerana jay nagnambelandreo an'Aje. Fa andagne jakao ny mpianane sy Petera heloha lalagna anareo agny Galelia Ijy. Agny no ahitanareo an'Aje, jay efa nijakaine tamin'nareo.''8Nivôke areo ka nihajakajake nenga ny kibory; nangitakitake sy jendagna areo. tsy nijaka ndre ino nino tamin'ny olo areo satria tena nangoaigna be .9[Fagnamarihana: Ny fandikana taloha tsara indrindra die mangala an'i Marka: 16: 9-20] Vô maraigna tamin'ny andro vôlohany herignandro, tafaran'ny nitsanganany, die nibôke tamin'i Maria Magdalena heke Ijy, ilay nandroahane demonia fito.10 Die nenga Maria ary nijaka ny vaovao tamin-dreo niarake tamin'i Jesôsy, laha mbola mandala sy nitagny areo.11 Regnindreo fa velogna Ijy die nahita an'Ajy fany nekany areo.12[Ny fandikana taloha tsara indrindra die mangala ny Marka16: 9-20]Tafaran'ireo raha ireo Jesôsy die nibôke tamin'ny endrika hafa tamin'ny roa tamin-dreo, laha nenga ho agny an-tanàna areo.13 Die nenga areo ary nijaka tamin-dreo mpianatre sisa, fany nenkany areo.14[Fagnamarihana: Ny fandikana taloha tsara indrindra die mangala ny Marka16: 9-20]Tafara kely die nibôke tamin'ny raike ambiny folo lahy Jesôsy laha mbola teo am-pihinana areo, die nijaka nahare an-dreo Ijy nohon'ny tsy finôna sy haherin'ny fon-dreo,satria nenkany areo ijay tojo an'Ajy tafaran'ny nitsanganany tamin'ny maty areo.15 Die hoy Ijy tamin-dreo hoe: ''Mandihana amin'jao tontolo jao die torio amin'olo aby ny filajantsara.16 Jay mino sy hatao batisa no ho vonjena. Jay tsy mino koja die ho helohina.17[Fanagnamirina:Ny fandikana tolaha tsara indrindra die mangala ny Marka16: 9-20]Ireto famantarana ireto die hagnarake an-dreo jay mino: Amin'ny agnarako ny handroahandreo demonia. Hijaka amin'ny fijaka vaovao areo.18 Hitsamo menaragna amin'ny tagnana areo, ary laha hinogna raha-mahafaty die tsy mampagnahe an-dreo ijany. Hametra-tagnana amin'ny marary areo die hahafake iregny.''19[Ny fandikana taloha tsara indrindra die mangala ny Marka 16: 9-20]Laha avy nivoria tamin'ajy ireo ny Tompo, die nampiakarine ho agne an-dagnitre Ijy ary nitoboke teo an-tagnana ankavanan'Andriamanitra.20 Die nenga areo mpianatra nitory tegny rehetra tegny, die ny Tompo niara-niasa tamin-dreo die nagnamafy ny jaka tamin'ny alalan'ny famantarana jay niarake tamin-dreo.Luke
Chapter 1
1Rahabe ireo niejaka nanoratra tantara momba ireo raha nitranga ijay tanteraka teto amintsena, 2araka ijay efa nolorandreo anajy tamintsena, ijay efa vavolombelogna nagnati- maso sy mpanompo ny teny hatragny am-pendohana. 3Ary aminahy mandy koa die hôtran'ny mety laha efa nagnadihady tsara ny fandehan'ny raha manontolo hatrami'ny vôlohany - ny nanoratra tatitra araka ny filaharany hônao, ry Teofilo mendrika mendrika indrindra. 4Ijany die ba hahafantaranao ny marina momba ireo raha ijay nampenarina anao.5Tamin'ny andron'ny Heroda, mpajakan'ny Jodia, die nisy tamin'ireo mpisorogna angehina hoe Zakaria, avy lahatamin'ny antokon'i Abia. Ny vadiny die avy lahatamin'ny janaka viavin'i Arona, ary ny agnarany die Elizabeta. 6Samy marina teo agnatrehan'Andriamanitra ijy ireo, ary nankato ireo didy manontolo sy ireo fitsipiky ny Tompo. 7Fa tsy nanan-janaka anefa ijy ireo, satria momba Elizabeta, ary samy efa tena mavojo ihiany koa ijy roa ireo tamin'ijany fotôgna ijany.8Ary ijany die mahakasika an'i Zakaria teo agnatrehan'Andriamanitra, nagnatanteraka ireo asan'ny fisorognana araka ny fifandimbiajan'ny isan-tokony. 9Araka ny fomba fanaon'ijy ireo ny amin'ny fisafidianana mpisorogna ijay tokony hanompo, die vôfidin'ny kodiarana kely hiditra hagnoro ny emboka magnitra ao an-tempolin'ny Tompo ijy. 10Tamin'ny lera nagnorôna ny emboka magnitra die nivavaka tegny ambohony ny vahôka manontolo.11Ary nisy anjelin'ny Tompo nivôka taminajy ary nitsangagna teo ankavanan'ny alitara nisy ny emboka magnitra.12 Laha efa nahita an'ajy i Zakaria, die reki-tahotra ary feno tahotra ijy.13 Fa hoy ny anjely tamin'ajy: ''Aja matahotra, ry Zakaria, efa nirignesina ny vavakao. Hitoeran'anaka lelahy aminao Elizabeta vadinao. Jaona no hagnanôvanareo ny agnarany.14Hanam-,pifalena sy haravôna anao, ary rahabe koa ny ho faly amin'ny fahaterahany. 15Satria ho lehibe ijy eo amason'ny Tompo. Tsy hinogna divay na javam-pisotro mahery mihitsy ijy, ary ho feno ny Fagnahy Masina lahatan-kibondreniny ijy.16Rahabe ami'ny vahôka Israely no hitodika amin'ny Tompo Andriamanitr'ijy ireo.17 Henga eo alohan'ny vatagn'ny Tompo amin'ny fagnahy sy herin'Elia ijy. Ijany no amboariny die ny ba hitodihan'ny fon'ny ray amin'ny janaka, ba handihanan'ireo ijay tsy mangneky amin'ny lalagnin'ny fahendren'ny marina ba hagnomagnana vahôka efa vognona hôn'ny Tompo no ho magnina hônajy.''18Ary Zakaria nijaka tamin'ny anjely hoe: ''Ahôna no ahafantarako anijany? Fa iaho efa rangahy ary ny vadiko die efa tena ragnavavy.'' 19Ary hoy ny anjely namaly sy nijaka taminajy: ''Iaho no Gabriela, ilay mitsangagna eo agnatrehan'Andriamanitra. Ary vôiraka aho ba hilaja aminao, hitondra ijao vaovao tsara ijao aminao. 20Ka ijao! ho môgna anao ka tsy afaka hijaka, mandrapeven'ny andro hisehôn'ireo raha ireo. Satria tsy nino ny jakako anao, ijay ho tanteraka amin'ny fotôgna vôfaritra.''21Ary ny vahôka vijaka nandigny an'i Zakaria. Jendagna nohon'ny fijanognany ela be tao an-tempoly ijy ireo. 22Fa laha efa nivôka ijy, die tsy afaka nijaka tamin'ijy ireo. Ary fantatr'ijy ireo fa nahita fahitana ijy tamin'ijy tao an-tempoly. Nagnano beko môgna tamin'ijy ireo ijy ary nijanogna ho môgna. 23Ary laha efa avy ny andro ahataperan'ny fotôgna, die nenga nody tagny andragnony ijy.24Tafaran'ireo andro ireo, die nipitrahan'anaka Elizabeta ary nivony nandritry ny dimy volagna. Hoy ijy hoe: 25"Ijao no namboarin'ny Tompo hônahy laha efa nitsinjo anahy Ijy ba hangala ny hegnatro eo agnatrehan'ny olo.''26Teo ami'ny faha enim-bolagna, die nirahin'Andriamanitra ny anjely Gabriela nandeha agny amin'ny tanàna raika tao Galilia atao hoe Nazareta, 27ho agny amina virijiny raika ijay fofom-badina lelahy nangihina hoe Josefa. Agnisan'ny taranak'i Davida ijy, ary ny agnaran'ilay virijiny die i Maria. 28Nandeha taminajy teo ijy ary nijaka hoe: "Arahaba, ry ilay nihasoavina indrindra! Ny Tompo ho ao aminao.'' 29Fa tena very hevitra tamin'ny jakany ijy nagnotany tagna hoe karajagna ferabana hôtran'ny ino ijany.30Hoy ny anjely tamin'ajy: ''Aja matahotra a Maria, fa efa nahita sitraka tamin'Andriamanitra anao. 31Ijao, hipitrahan'anaka anao ka hiteraka jaja lelahy. Ary ny agnarany hantsoina hoe 'Jesôsy'. 32Ho lehibe Ijy ary hantsoina hoe Janaky ny Avo Indrindra. Ny Tompo Andriamanitra no hagnome Anajy ny seja fiendriagnan'i Davida rajambeny. 33Ary hanjaka mandrakijay amin'ny taranak'i Jakoba ijy, ary tsy hanam-pahataperana ny fanjakany.''34Hoy Maria tami'le anjely: ''Ahôna no hisehôn'ijany, fa bola tsy niaraka natory tamina lelahy aho?'' 35Ny anjely namaly sy nijaka taminajy hoe: "Hirotsaka aminao ny Fagnahy Masina, ary ny herin'ny Avo Indrindra no ho avy aminao. Ka le masigna ho teraka die hantsoina hoe Janak'Andriamanitra.36Ka, Elizabeta havanao die nitoe-jaja hiany koa na die tamin'ny fahavojôny aja. Efa mandray enim-bolagna ny anajy ijao, ijy natao hoe momba.37 Satria tsy misy raha tsy ho ajo tanterahina amin'ny Andriamanitra.'' 38Hoy i Maria: ''Itoy aho, mpanompovavin'ny Tompo. Ôka ho tanteraka aminahy ijany araka ny hafatrao.'' Ary nenga taminajy teo ny anjely.39Ary tamin'ijany andro ijany i Maria die nenga ka nandeha malaky tegny amin'ny tany ambony, agny amin'ny tananan'i Jodia.40 Nenga tagny andragnon'i Zakaria ijy ary nerahaba an'i Elizabeta.41 Ary laha naharegny ny fieraban'i Maria i Elizabeta, die nibitaka ny jaja tao ankibony, ary hibokin'ny fagnahy masina i Elizabeta.42Nanandram-peo sy nijaka mahare ijy hoe: ''Nisoavina nohon'ny viavy abiaby anao, ary nosoavina ny nateraky ny kibonao.43 Nahôna ijany no mitranga aminahy fa le iendrin'ny Tompoko no avy hagnantogna anahy?44 Fa koja, raha efa avy teo amin'ny tadigniko ny ferabanao, kevom-pifalena ny jaja ato an-trokako. 45Tretrika ijy ijay nino fa ho tontosa ireo raha ijay nijakain'ny Tompo taminajy.''46Hoy i Maria: ''Midera ny Tompo ny fagnahiko, 47ary ny fagnahiko nifaly tao amin'Andriamanitra mpamonjiko.48Fa nijaha ny fahantran'ny mpanompo vaviny Ijy. Ary ijao, manombok'ijao ny taranaka manontolo hangaika anahy hoe sambatra.49 Satria nagnano raha angejabe taminahy ilay mahavita ny raha manontolo, ary masigna ny agnarany.50Fa maharitra hôn'ny taranaka fara-mandimby ijay matahotra Anajy ny famindram-pony. 51Nampiseho ny heriny tamin'ny sandriny ijy; ary nagnaparitaka ireo ijay nirehareha tamin'ny saignany ny fon'ijy ireo.52Naongagny tamin'ny seja fiendriagnany ny janaka lahin'ny mpanjaka ary ireo ambany nasandrany. 53Nataony voky raha tsara ireo tehinagna, fa ny mpagnefoefo nampodieny tsy nanagna na ino na ino.54Nagnome fagnampena an'Israely mpanompony Ijy, ba hahatsarôny haneho famindram-po 55(araka ny nijakainy tamin'ireo iabantsena) tamin'i Abrahama sy ny taranagny mandrakijay.''56Nijanogna nitoboka tao amin'ny Elizabeta tokony ho telo volagna i Maria ary avy eo nipody nody tagny andragnony. 57Ary avy ny fotôgna hiterahan'i Elizabeta ny janagny ary niteraka jaja lelahy ijy. 58Naharegny ny famindram-po lehibe namboarin'ny Tompo taminajy ireo mpiara-monigna aminajy sy ireo havany, ary niaraka faly taminajy ijy ireo.59Ary tamin'ny andro faha valo die avy hamora ny jaja ijy ireo. Saky hangihandreo hoe ''Zakaria,'' araka ny agnaran'ny iabany ijy. 60Fa ny iendriny koja namaly ary nijaka hoe: ''Tsiary. Jaona no hagnantsovana anajy.'' 61Ary hoy areo taminajy: ''Tsy misy amin'ny havanao angihina amin'ijany agnarana ijany.''62Nagnano beko môgna tamin'ny iabany ijy ireo ny amin'ny tieny hatao agnarany.63 Nangataka solaitra fanoratana i abany ary nanoratra hoe: ''Jaona no agnarany.'' Ary die jendagna tamin'ijany ijy manontolo.64Ary niaraka tamin'ijay die nivoha ny vavany ary nafagnina ny lelany. Nijaka ijy ary nidera an'Andriamanitra. 65Avy teo amin'ireo manontolo magnodidigna anajy ireo ny tahotra. Ary niparitaka eran'ny tanàna ambon'i Jodia ny raha nitranga abiaby teo. 66Ary ireo rehetra naharegny anio die nandray tao am-pony, ary nijaka hoe: ''Ho lasa ino ary toy jaja toy?'' Fa momba anajy ny tagnan'ny Tompo.67Ary feno ny fagnahy masina i Zakaria iabany ary naminangny, ka nijaka hoe: 68"Deraina anie ny Tompo, Andriamanitr'Israely, fa avy nagnampy sy nagnatanteraka ny fagnafahana hôn'ny vahôka Ijy.69Nanandratra ambony ny tandrom-pagnavotana hôntsena ao andragnon'i Davida mpanompony Ijy,70 tahaka ijay nijakainy tamin'ny vavan'ireo mpaminagny masigna tamin'ny andro taloha tagny.71 Hitondra famonjena amin'ny fahavalontsena sy amin'ny tagnan'ireo manontolo mankahala antsena Ijy.72Ijany no hamboariny die ny ba hampisehôna ny famindram-po amin'ireo raintsena sy hampitadidiena ny fagnekem-pihavanany Masina, 73 die le fianiagnana nijakainy tamin'i Abrahama iabantsena. 74Nianinana ny hajahôntsena, laha efa afaka tamin'ny tagnan'ny fahavalontsena, manompo Anajy tsy amin-tahotra, 75am-pahamasignana eo agnatrehany amin'ny androntsena manontolo.76Eka, ary anao, a jaja, die hangihina hoe mpaminagnin'ny Ambony Indrindra, fa henga helohan'ny vatagnin'ny Tompo anao hambôtra ny lalagny, ba hagnomagnana ny olo amin'ny fevieny,77 ba hagnome fahalalam-pamonjena hôn'olony amin'ny alalan'ny fagnavilana ny helok'ijy ireo.78Ijany no hitranga die nohon'ny famindram-po masin'ny Andriamanitrantsena, nohon'ny amin'ijany no hiposahan'ny masoandro lahatamin'ny ambony ba ho avy hagnampy antsena,79 hagnajava an'ireo ijay mipetraka ao agnatin'ny hejigna sy ireo ao agnatin'ny aloky ny fahafatesana. Hamboariny ijany ba hitarihana ny hongotratsena amin'ny lalam-pedanana.80Ary ny jaja die nitombo ary nahery amin'ny fagnahy, ary tagny agnefitra ijy mamdrapeven'ny andro hisehôny ankarihary amin'Israely.Chapter 2
1Ary tamin'ijany andro ijany, die namôke didy mibeko ijay mibeko ny hagnisana ny olo abiaby miaigna eto amin'ijao tontolo ijao Aogosto Kaisara.2 Ijany no fagnisam-bahôke namboarina vôlohane tamin'i Kyrenio no mpanapaka tagny Syria.3 Noho ijany ny olo abiaby die namonjy ny tanàna misy an'ajy aby mba hisoratra agnarana hôn'ny fagnisam-bahôke.4Die nienga avy tagny Galilia koa Josefa, avy tagny an-tanànan'ny Najareta, ho agny Jodia, tanànani Davida ijay angihina hoe Betlehema, satria ijy die avy amin'ny tragno sy havan'i Davida. 5Nienga tagny ijy mba hisoratra agnarana niaraka tamin'i Maria, fofom-badine sady betroke.6Ary laha mbola tagny areo, die avy ny fotôgna hitirahane ny janagne.7 Niteraka jaja lelahy ijy, janagne vôlohane, ary ijy nandrakotre lamban-jaja an'Aje sady nampatory an'AJe teo amin'ny fihinanan'aomby ahitre, satria tsy nisy toerana hon-dreo tao amin'ny ôtely.8Nisy mpiambigna ondry tamin'ijany faritra ijany ijay nijanogna tagny an-karenana, niambigna ny andian'ondry tamin'ny aligna.9 Nisy anjelin'ny tompo niseho tamin-dreo, ary ny voninahitry ny Tompo namirapiratre magnodidigna an'ajy, ka nangoaigna areo.10Die nijaka tamin-dreo ny anjely nagnano hoe: "Aja matahotra, fa hijaka vaovao tsara ijay hitarika hafalena makadiry hôn'ny olo abiaby iaho. 11Androany die nisy mpamonjy ijay terake hônareo agny an-tanànan'i Davida! Ijy no Kristy Tompo!12 Ijao no famantarana ijay homena anareo: Hahita jajakely mirakotra lamban-jaja sady matory eo amin'ny fihinanan'aomby ahitre anareo.13Vetivety teo niaraka tamin'ilay anjely, die nisy tafiky ny lagnitre makadiry nidera an'Andriamanitra nagnano hoe:14 "Voninahitra hôn'Andriamanitra agny am-bony indrindra, ary hisy fedagnana anie etoy an-tane eo amin'ny olo ijay ankasitrahane."15Ary laha nienga teo amin-dreo niakatra an-dagnitre ireo anjely, ny mpiambigna ondry nifampivoria hoe: " Andao antsena ijao hoagny Betlehema, sady hitsirike ijany raha-miseho ijane, ijay nampahafantarin'ny Tompo antsena ijane." 16Nienga nalaky tagny areo ary nahita an'i Maria sy Josefa, ary nahita ny jajakely natory teo amin'ny fihinanan'aomby ahitre.17Tafaran'ny nahitan-dreo an'Ajy, die nitantarain-dreo ny raha abiaby regnin-dreo mahakasika io jaja io.18 Ijay abiaby naharegny ijany die jendagna ny amin'ny nivorianin'ny mpiambigna ondry tamin-dreo.19 Fa Maria koja nanohy nieritreritre mahakasika ny raha abiaby ijay regnine, ary nandrekitre iregny tao am-pone. 20Nimpody ireo mpiambigna ondry, nagnome voninahitra sy nankalaja an'Andriamanitra noho ny raha abiaby ijay regnin-dreo sy hitan'ireo, araka ijay nivorianina tamin-dreo.21Laha tapitra ny andro faha valo, laha niforaina Ijy, die nomena agnarana hoe Jesôsy, ilay agnarana nomen'ilay anjely an'Ajy talohaka ny namitrahana an'Ajy tagnaty troke.22Ary laha tapitra ny isan'ny andro notakena hidiovane, araka ny lalàn'i Mosesy, die nitondra an'Ajy niakatra hoagny am-pengonana tao Jerosalema i Maria sy Josefa mba hanolotra an'Ajy eo amin'ny Tompo.23 Araka ijay vôsoratra ao amin'ny lalàn'ny Tompo hoe: "Ny lelahy abiaby ijay vôlohan-teraka die hatokagna hôn'ny Tompo."24 Noho ijany die nagnome sorona araka ijay vôlaja ao amin'ny lalàn'ny Tompo areo, "domohigna roe na janaka voromamanga roe."25Ary indro ,nisy lelahy tagny Jerosalema, Simona negnarane, ary ijany lelahy ijany die marina sy mahery fo. Nandrembe ny fampiononana an'Israely ijy, ary tao amin'ajy ny Fanahy Masina.26 Natoron'ny Fanahy Masina tamin'aje fa tsy hahita fahafatesana melohan'ny ahitane ny Kristin'ny Tompo ijy.27Nidôsin' ny Fangahy, ho agny am-pengonana Simona. Laha nitondra an'i Jesôsy jajakely niditre iabane amin'iendrine, mba hagnatanteraka an'Ajy araka ny fomba ao amin'ny lalàna, 28die nitrotroiny Ijy sady nidera an'Andriamanitra ary nagnano hoe:29 "Amin'ijao fotôgna ijao abilao andeha am-pedagnana ny mpanomponao, ry Tompo, araka ny jakanao.30Fa ny masoko nahita ny famonjenao,31 ijay nomagninao teo amason'olo abiaby:32 Die fahajavàna ho fagnambarana hôn'ny Jentilisa ary voninahitre hôn'Israely olonao."33Iabane sy iendrin'ilay jaja die jendagna tamin'ny raha nijakaine mahakasika an'Aje. 34Nitso-drano an-dreo Simona ary nijaka tamin'i Maria hoe: "Indro, itoy jaja itoy die vôtondro hômin'ny fandavôna sy fagnambonena ny olon'Israely rahabe ary ho famantarana ijay tsy nekena- 35ary hisy sabatra hagnatrobake ny fagnahinao-mba ho vômbara ny hevitry ny fo rahabe."36Nisy mpaminany viavy raike angihina hoe Ana teo. Janaka vavin'i Fanoela avy amin'ny foko Asera ijy. Antitra be ijy. Niray tragno tamin'ny vadine fito taogna tafaran'ny nahavirijiny an'ajy ijy, 37ary mpitondra tegna nandritra ny efatra amby valopolo taogna. Tsy niala ny fengonana mihitsy ijy fa nanompo tamin'ny fifadian-kanina sy vavake, andro aman'aligna.38 Tamin'ijay ora ijay indrindra die nagnakeke an-dreo ijy ary nanomboka nagnome fisôrana an'Andriamanitra sy nivoria ny mahakasik'ilay jaja tamin'olo abiaby ijay nandigny ny fagnavotana an'i Jerosalema.39Laha nahefa ny raha abiaby nampanôvina an'ajy araka ny lalàn'ny Tompo areo, die nipody tagny Galilia, agny an-tanànan-dreo agny Najareta. 40Nihalehibe ny jaja ary nihanatanjaka, nitombo fahendrena, ary ny fahasoavan'Andriamanitra die tamin'ajy tao.41Iabane amin'iendrine die nandeha agny Jerosalema isan-taogna homonjy ny lagnonan'ny Paka. 42Laha rômbifolo taogna Ijy, die nandeha tagny araka ny fomba famboarine amin'ny fety indraika areo.43 Ary laha avy nipetraka tagny nandritra ny andron'ny fety manotolo areo, die nanomboka niherigna nody areo. Fa Jesôsy jajalelahy nijanogna tagny Jerosalema nefa tsy fantan'iabane sy iendrine ijane. 44Nieritreretin-dreo fa tafara-dia tamin'olo niaraka tamin-dreo IJy, die nandeha indraik'andro manotolo areo. Ary avy teon'igne die nanomboke nandrembe an'Ajy tagny amin'ireo havane sy ireo akamane areo.45Laha tsy hitan-dreo Ijy, die nipody tagny Jerosalema areo ka nanomboka nandrembe an'Ajy tagne. 46Laha afaka telo andro, die hitan-dreo tao am-pengonana Ijy, nitoboke teo agnivon'ireo mpampianatre, niheno an-dreo sady nametraka fagnontanena tamin-dreo.47 Ijay abiaby naharegny an'Ajy die jendagna tamin'ny fahalalane sy ireo valintenine.48Laha nahita an'Ajy areo, die varegna. Iendrine nijaka tamin'Ajy hoe: "Janako, nagnino anao no magnano hôtran'ijao anay? Tenoy, iaho sy iabanao nandrembe anao tamin-tahotre."49 Ijy nijaka tamin-dreo hoe: "Nagnino anareo no mandremben'Ahe? Tsy fantatrareo ve fa tsy mentsy ho ao an-dragnon'Iabako Iaho?"50 Fa tsy ajon-dreo ijay tiane hijakaina tamin'ijany teny ijane.51Die nody niaraka tamin-dreo tagny Najareta Ijy sady nagnaja an-dreo. Iendrine die nandrekitre ijany raha abiaby ijany tao am-pone. 52Fa Jesôsy niha-nitombo fahendrena sy niha-lehibe, ary nitombo fitia tamin'Andriamanitra sy ny olo.Chapter 3
1Tamin'ny taogna faha dimy ambin'ny folo nanjakan'i Tiberie Kaisara- bola i Pontio Pilato no goverinoran'i Jodia, Heroda die mpanapaka tao Glilia, Filipo rahalahiny die mpanapaka tao amin'ny faritra Itoria sy Trakonitsy, ary Lysania die mpanapak'i Abilena, 2nandritra ny fisorognam-ben'i Aniasy sy Kaiafa - die avy tamin'ny Jaona janaka lahin'i Zakaria tagny agnefitra ny jakan'Andriamanitra.3Nenga tagny amin'ireo faritra magnodidigna an'ny Jordana Ijy, nitory ny batisan'ny fibebahana ho famelana ireo heloka.4Araka ny vôsoratra ao amin'ny bokin'ny jakan'ny Isaia mpaminagny hoe: ''Nisy feo raika nangaika mahare laha tagny angnefitra hoe: 'Atôvy vognona ny lalagnin'ny Tompo, atôvy mahitsy ny lalan-kadihanany.5Ny lohasaha manontolo ho totorana, ary ny tendrombohitra sy ny havôna hampidignina, ary ny lalagna miolakolaka die hamboarina mahitsy, ary ny toerana mikitoatoagna die hatao lalagna, 6ary ny nofo manontolo die hahita ny famonjen'Andriamanitra. '''7Ka die nijaka tamin'ireo vahôka ijay avy ho amboariny batisa i Jaona hoe: ''Anareo ry taranaky ny menaragna! Ija no nampitandrigna anareo ba hilefa ny fahavignirana ijay ho avy?8Noho ijany, mamokara voa mendriky ny fibebahana, ary aja manomboka mijaka ao agnatinareo hoe: Ahay managna an'i Abrahama ho iabanay,' fa mijaka anareo aho fa Andriamanitra die afaka managangna janaka ho an'i Abrahama avy amin'ireto vato ireto.9Amijao andré ny andrognana die mipetraka eo amin'ny fototry ny hazo. Koa ny hajo manotolo ijay tsy mamoa voa tsara die vôtapaka ary hatsipy agny amin'ny afo.''10Ary ireo vahôka die nagnotany anajy hatragny, nijaka hoe: ''Ino ary no namboariny?'' 11Namaly ijy ka nijaka tamin'ijy ireo hoe: ''Laha misy olo managna akanjo lava roa, tokony mijara anijany amin'olo raika ijay tsy managna ijy, ary ijay managna sakafo koa die tokony hagnano hôtran'ijany.''12Ireo mpamory hetra koa die avy ba hatao batisa, ary nijaka tamin'ajy hoe: mpampianatra o, ino no tsy mentsy hamboarinay?'' 13Ijy nijaka anajy ireo hoe: ''Aja manangogna vola mihôtra ijay nampangalaina anareo.''14Miaramila rahabe koa nagnantogna an'ajy,nijaka hoe: ''ahôna ny momba anay?'' Ijy nijaka tamin'ijy ireo hoe: ''Aja mangala vola amin'olo an-keriny, ary aja mitory vandy olo. Mifalia amin'ny karamanareo.''15Ary laha nandigny fatratra ny fieven'i Kristy ny vahôka, die nagnotany tao am-pony ny mahakasika an'i Jaona ny isan'olo, na mety ho ijy na tsijy no Kristy.16 Jaona namaly tamin'ny mijakana anajy manontolo ka nagnano hoe: ''Laha ny aminahy, die magnano batisa anareo amin'ny rano aho, fa misy olo raika hafa ho avy ijay mahery mihôtra anahy, ary tsy mendrika aho na die hamaha ireo fehin'ny kapany aja. Hagnano batisa anareo amin'ny Fagnahy masina sy ny afo Ijy.17Eo an-tagnany ny fikororohany ba hagnadiovana tsara ny vary hoagny amin'ny sompiny. Fa hirôny amin'ny afo tsy mety vonina ny akofa.''18Niaraka tamin'ny fagnanarana rahabe hafa mandy koa, Jaona nitory vôvao tsara hôn'ny vahôka. 19Heroda mpanapaka raha efa nanarina nohon'ny fanambadianana ny vadin'ny rahalahiny Herodiasy, sy nohon'ny raha ratsy hafa manontolo ijay namboariny,20 die ho fagnampin'ijany rehetr'ijany die nihidiny tagny amponja i Jaona.21Ary, laha efa vita batisa manontolo ny olo abiaby, die natao batisa koa i Jesôsy, 22ary laha bola nivavaka ijy, die nivoha ny lagnitra, ary ny Fagnahy Masigna nangala endrika ka nidigna teo aminajy tahaka ny voromahilala, ary nisy feo laha tagny andagnitra nagnano hoe: ''Anao no Janako, malalako. Faly aho nohon'ny aminao.''23Laha efa nanomboka ny asa fanompôny Jesôsy, die teo ho eo amin'ny telopolo taogna teo Ijy. Ijy no janaka lahin'i (araky ny fisegnana) Josefa, janak'i Hely, 24janak'i Matata, janak'i Levy, janak'i Melky, janak'i Janay, janak'i Josefa.25Josefa die janak'i Matitia, janak'i Amosa, janak'i Nahoma, janak'i Elsy, janak'i Nagay, janak'i Mata, 26janak'i Matatia, janak'i Semey, janak'i Joseka,janak'i Joda.27Joda die janak'i Joanana, janak'i Rase, janak'i Zerobabela, janak'i Sealtiela, janak'i Nery, 28janak'i Melky, janak'i Ady, janak'i Kosama, janak'i Elmadama, janak'i Era, 29janak'i Josoa, janak'i Eliezara, janak'i Joreima, janak'i Matata, janak'i Levy.30Levy die janak'i Simeona, janak'i Joda, janak'i Josefa, janak'i Jonama, janak'i Eliakima, 31janak'i Melea, janak'i Mena, janak'i Matata, janak'i Natana, janak'i Davida, 32janak'i Jese, janak'i Obeda, janak'i Boaza, janak'i Salmona, janak'i Nahasona.33Nahasona die janak'i Aminadaba, janak'i Adimina, janak'i Arny, janak'i Hezrona, janak'i Fazera, janak'i Joda, 34janak'i Jakoba, janak'i Isaka, janak'i Abrahama, janak'i Tera, janak'i Nahora, 35janak'i Seroga, janak'i Reo, janak'i Palega, janak'i Ebera, janak'i Sela.36Sela die janak'i Kenana, janak'i Arpaksada, janak'i Sema, janak'i Noa, janak'i Lameka, janak'i 37Metosela, janak'i Enoka, janak'i Jareda, janak'i Mahalalila, janak'i Kenana,38 janak'i Enosa, janak'i Seta, janak'i Adama, Janak'Andriamanitra.Chapter 4
1Tafaran'ijany Jesôsy , laha feno ny Fanahy Masina, die niverigna avy tagne amin'ny reniranon'ny Jordana, ary nindôsin'ny Fanahy Masina tagne an'efitra 2ijay nangalan'ny devoly fanahy an'Aje nandritry ny efapolo andro. Tsy nihinagna n'ino n'ino Ijy nandritra ireo andro ireo, ary tamin'ny fotôgna farane die mosaregna Ijy.3Ny devoly nijaka tamin'Ajy hoe:" Laha janak'Andriamanitra Anao, die didio holasa mofo io vato io." 4Jesôsy namale an'aje hoe:" Vôsoratra hoe: ' Tsy ny mofo mandy no iveloman'ny olo."'5Avy eo nindôsin'ny devoly tegny amin'ny toerana agnambo Jesôsy ary natorone an'Aje vetivety aby koa ny fanjakana manontolon'ijao tontolo ijao. 6Ny devoly nijaka tamin'Aje hoe:" Homeko anao ny fahefana abiaby sy ny famirapiratany abiaby, satria efa nomena an'ahe ireo, ary afake omeko ny olo ijay tiako omena an'aje. 7Noho ijane, laha miankohoke sy manompo an'ahe anao, die ho lasano ijane."8Kanefa Jesôsy namale ka nijaka an'aje hoe:" Vôsoratra hoe:' Hidera ny Tompo Andriamanitrao anao, ary Ijy raike mande no ho tompoinao."'9Avy eo ny devoly die nitondra an'i Jesôsy tagny Jerosalema ary nataony tegny amin'ny fara-tampon'ny tempoly, ary nijaka tamin'Ajy hoe:" Laha janak'Andriamanitra Anao, die adabohy avy ety ny tegnanao. 10Satria efa vôsoratra hoe:" Hibeko ny anjeliny ny aminao Ijy, mba hiaro anao, 11ary areo hanadratra anao amin'ny tagnany, mba tsy ho tafitohan'ny vato ny tongotrao.'''12Namale an'aje, Jesôsy nijaka hoe:" Efa natoro hoe: " Aja mangala fagnahy ny Tompo Andriamanitrao."' 13Laha vita ny fangalan'ny devoly fagnahy an'i Jesôsy, die lasa ijy ary nandao an'Ajy ambara-pahatongan'ny fotôgna hafa.14Avy eo Jesôsy nimpody tagny Galilia tamin'ny herin'ny Fanahy, ary ny vaovao momba an'Aje die efa niely nagnerana ny faritre manodidigna abiaby. 15Die nanomboke nampianatre tao amin'ny Synagogan-dreo Ijy ary noderain'ny abiaby.16Nandeha tagny Nazareta Ijy, ilay tanana nahalehibe an'Ajy ary arake ny fomba fanaony, die niditre tao amin'ny Synagoga tamin'ny andro Sabata Ijy ka nitsangana mba hamaky teny mahare. 17Natolotra an'ajy ny horognan-taratasin'Isaia mpaminany. Nosokafany ilay boky ary hitany ny toerana nanoratana an'ajy.18Ny Fanahin'ny tompo die ato amin'ahe satria Ijy nagnosotre an'ahy hilaja vaovao mahafaly ho an'ny mahantra. Ijy no nandefa an'ahe hagnambara fahafahana ho an'ireo babo, ary hamerigna ny fahitana ho an'ny fe, hagnafake ireo ijay ampahoriana,19 hagnambara ny taom-pankasitrahan'Andriamanitra."20Avy eo die nahorogne ny taratasy, naverigne tagny amin'ny mpitandrina, ary nidoboke ijy. Ny mason'ireo abiaby tao amin'ny Synagoga die nijere an'Aje.21 Nanomboke nivoria tamin-dreo Ijy hoe:" Niany ity Soratra Masina ity die tanterake eo am-pandregnesanareo." 22Ny manontolo tao die nilaja tsara ny momba an'Aje ary jendagna tamin'ny tenim-pahasoavana ijay navoakan'ny vavany areo ary nagnotane areo hoe:" Fa tsy ilay janak'i Josefa ve itoy?23Ijy nijaka tamin-dreo hoe:'' Ajo antoka fa hilaja itoy ohabolana itoy amin'Ahe anareo hoe: Dokotera, sitragno ny tegnanao. N'ino n'ino regninay fa nataonao tao Kapernaomy, die manôva hôtran'Ijany agny amin'ny taninao." 24Nefa nijaka Ijy hoe:" Jakaioko marina aminareo, tsy misy mpaminany vôray ao amin'ny taniny25Kanefa jakaiko marina aminareo fa rahabe ny viavy mpitondra-tegna tagny Israely tamin'ny andron'i Elia, laha nimpegna ny lanitre nandritre ny telo taogna sy enim-bolagna, ary nisy mosary lehibe tonga teo amin'ny tany abiaby. 26Nefa Elia tsy nalefa na tamin'iraike tamin-dreo aja , fa tao Zerapata any Sidona mandy, tagny amin'ny mpitondra tegna ijay nipetraka tagny. 27Fa rahabe ireo boka tao Israely tamin'ny andron'i Elisa mpaminany, nefa tsy nisy na die raike tamin-dreo aja sitragna afa-tsy Namàna ilay Syriana."28Ny olo manontolo tao amin'ny Synagoga die teniky ny havignirana laha naharegne ireo raha ireo. 29Nitsangagna areo, nanery an'Ajy hiala ny tanàna, ary nandefa an'Ajy tegny tampon'ny tendrombohitra ijay nioregnan'ny tanànan-dreo, mba handambohana an'Aje amin'ny haragna. 30Nefa nandeha namakivaky teo agnivon-dreo Ijy die lasa nandeha tagny amin'ny toeran-kafa.31Avy eo Ijy dia nijotso tagny Kapernaomy, tanàna raike agny Galilia, ary nanomboke nampianatre an-dreo tamin'ny Sabata Ijy,32 jedangna tamin'ny fampianarana namboariny areo, satria nijaka tamin'ny fahefana Ijy.33Ary tao amin'ny Synagoga die nisy lelahy ijay nidobohan'ny fagnahy maloton'ny demonia, ary ijy die nihiakiake tamin'ny feo mahare hoe:" 34Ah! Ino no ifandraisanay aminao, ry Jesôsy avy agny Nazareta? Avy mba hamotika anay ve anao? Fantatro hoe ija Anao- ilay Raike Masin'Andriamanitra!"35Jesôsy nijaka mahare ilay demony, ka nagnano hoe:" Aja mijaka ary mialà ao amin'ajy!" Laha nanipy ilay lelahy ho lavo teo agnivon-dreo ny demony, die niala tao amin'ajy, ary tsy nandratra an'ajy akory.36 Jedangna aby ny olo abiaby, ary nanohy nivoria momba ijany. Nijaka areo hoe:" Fa jaka hôtran'ny akore re ijane?" Bekoiny amin'ny fahefana sy hery ny fagnahy maloto die mivôke.'' 37Noho ijany die nanomboka niparitaka nagnerana ny faritra maodidigna ny lazany.38Die nandao ny synagoga Jesôsy ary niditre tao an-dragnon'i Simona. Ary nampijalian'ny tajo mahery ny rafojam-bavin'i Simona, ary niangavy taminy ho an'ajy areo. 39Ka nijoro teo alohany Ijy nijaka mahare ny tajo, die niala tamin'ajy ijany. Avy hatragny ijy die nitsangagna ary nanomboke nanompo an'ajy areo.40Laha nilentika ny masoandro, die nitondra ny olo abiaby mararin'ny aretigna rahabe samihafa teo amin'ny Jesôsy ny olo. Nametra-tanana tamin'ny kiraidraike avy amin-dreo Ijy ka nanasitragna an-dreo. 41Ireo demony mandy koa die niala tao amin'ny maro tamin-dreo, nihiakiake mahare sy nijaka hoe:" Anao no janak'Andriamanitra!" Jesosy nijaka mahare ireo demonia ka tsy namela an-dreo hijaka, satria fanta-dreo fa Ijy no Kristy.42Vao mangiran-dratsy, die nandeha tagny amin'ny toerana mangingina Ijy. Vahôke rahabe no nitady an' Ajy ary nenga egne amin'ny toerana ijay nisy an'Ajy. Areo die niejake ny nitajogna an'Ajy mba tsy hiala eo amin-dreo. 43Fa Ijy nijaka tamin-dreo hoe:" Tsy mentsy mitory ny vaovao mahafaly momba ny fanjakan'Andriamanitra amin'ny tanàna maro hafa mandy koa Iaho, satria ijany no antony nagnirahana an'Ahy tetoy. 44Avy eo Ijy die nanohy nitory tao amin'ireo synagoga magnerana an'i Jodia.Chapter 5
1Ary ijao no nitranga, raha nitangorogna nagnodidigna an'i Jesôsy reo olo die niheno ny tenin'Andriamanitra, die nitsangana teo amoron'ny farihin'i Genesareta Ijy.2 Nahita sambokely roe nijanogna teo amoron'ny farihy Ijy. Efa nivôke tao reo mpindingo die nanasa ny haratone.3 Niditre tao amin'ny raike tamin'reo sambokely Jesôsy, ijay an'i Simona, die nangatake anajy mba hatondra ijany egny amin'ny rano lavidavitre ny ambositre. Avy eo die nitoboke Ijy ka nampianatre reo olo tegny ivelan'ny sambokely.4Laha nijanogna nijaka Ijy, die nijaka tamin'i Simona Ijy hoe: ''Indôjy ho agny amin'ny rano laligna kokoa ny sambokely die alatsaho ny haratonareo mba hajahoanareo laokandrano.''5 Simona namaly Anajy ka nijaka hoe: ''Tompo o, efa niasa hatramin'ny lahale tontolo ahay, fa tsy nahajo na ino na ino, fa nohon'ny jakanao, die halatsako ny harato.'' 6Rehefa namboarindreo ijany, die nahajo laokandrano rahabe andreo, die rovitre ny haraton-dreo.7 Koa nagnano fihetsika tamin-dreo akamane ijay tao agnatin'ny sambokely raike hafa areo fa andreo fa tokone ho avy die hagnampy andreo. Die tonga andreo ka nameno ny sambokely roe, ka die nanomboke nilentike areo.8Fa Simona Petera, raha vô nahita ijany, die nenkohoke teo an-tongotr'i Jesôsy nijaka hoe: '' Menga aminahy, fa lelahy mpanota iaho.'' 9Fa jendagna ijy, sy areo abiaby jay niarake taminaje, nohon'ny hamarojanan'ny laokandrano ijay ajon-dreo.10 Tao agnatin'ijany Jakoba sy Jaona janak'i Zebedio, ijay mpiara miasa amin,i Simona. Jesôsy nijaka tamin'i Simona hoe: ''Aja mangoiaigna, fa manomboke ijao die hagnarato olo anao.''11 Rehefa nihoentin-dreo tegny ambositre ny sambokelin-dreo die nagnabela raha abaiby andreo ka nagnarake Anaje.12Die nitranga ijao raha mbola tao amin'ny raike tamin'ireo tanàna IJy, die nisy lelahy feno habokana teo. Nony nahita an'i Jesôsy ijy, die nenkohoke teo Aminajy die nitalaho taminajy, nagnano hoe: ''Tompo, raha mety anao, die afaka magnadio anahy.''13 Ary die nagnapatre ny tanagne Jesôsy die nitsamo anajy, nijaka hoe: ''Mety iaho. Madiova'' Teo no heo die afake taminajy ny habokana.14Nirarane ijy mba tsy hijaka amin'ija na amin'ija, fa nijakaine taminaje hoe: '' Jory ny lalagnao, miboaha amin'ny mpisorona die magnomeja sorogna ho an'ny fahadiovana anao, araka ijay nandidian'i Mosesy, mba ho fijorôna vavolombelogna amin-dreo. ''15Feny ny tatitra momba Anajy die niele lavitre kokoa aja , die fokon'olo rahabe no niara-tonga mba hiheno Anaje nampianatre die mba ho afake amin' ny aretigna andreo.16 Feny manjana Ijy die nenga nandeha agne amin'ny tany fôgna die nivavake.17Die tamin'ny andro raike tamin'ireo andro nampianarane, die nisy Fariseo sy mpampiana-dalàna nipetraka teo ijay avy amin'ny tanàna samihafa ao amin'ny faritra Galilia sy Jodia, ary mandy koa avy ao amin'ny tanànan'i Jerosalema. Ny herin'ny Tompo no tao aminajy mba hagnasitragna.18Die nisy lelahy saragne avy, nitondra lelahy raike ijay vôn'ny farasisa teo amin'ny fandrena, die ijy reo die nandrembe fomba hitondrana anajy ao agnatine mba hametrahana anajy ho eo anatrehan'i Jesôsy.19 Tsy nahita fomba hitondrana anajy tao agnatine andreo noho reo fokon'olo, noho ijany die nandeha agny atafon-tragno andreo die nampidigna ny fandrenan'ny lelahy avy eo an-tafotragno, tamin'ny fandrene, teo ampovôn'olo, teo anatrehan'i Jesôsy.20Raha nahita ny finôn-dreo, die hoy Jesôsy hoe: ''Ralelahy, vôvela ny helokao.''21 Nanomboke nagnotany ny mpanora-dalàna sy reo Fariseo, ka nijaka hoe: ''Ija moa ty ijay mijaka ratsy ty? Ija no afake mamela ny fahotana hafa-tsy Andriamanitra rerike mandy?''22Fa Jesôsy, nahafantatre jay nieritreritin-dreo, namaly die nijaka andreo hoe: ''Nagnino anareo no magnidigna ijany ao am-ponareo?23 Ino no mora jakiana kokoa: 'Vôvela ny helokao' sa ny mijaka hoe: 'Mitsangana die madihana?' 24Nefa mba hahafantaranareo fa ny Janak'Olo die manam-pahefana hamela heloke eto an-tany die jakaiko aminao, mitsanàgna, indôjy ny fandrenanao die mandihana agny an-dragnonao.''25Tselatsela teo die nitsangagna teo anatrehan-dreo ijy die nangala ny fandrene ijay natoriane. Avy eo die nenga nandeha an-dragnone ijy, nagnome voninahitre an'Andriamainitre. 26Jendagna ny manontolo die nagnome voninahitre an'Andriamanitre andreo. Feno fangoaignana andreo, nijaka hoe: ''Nahita raha-mahajendagna antsena adroany.''27Tafaran'ny nitrangan'ireo rahareo die nenga teo i Jesôsy ka nahita mpamory hetra raike jay angehina hoe Levy nipetrake teo amin'ny tragno lain'ny mpamory hetra. Nijaka taminajy Ijy hoe: ''Magnaraha Anahy.''28 Die nitsangana i Levy ka nagnarake Anajy, ka nagnabela ny raha-manontolo.29Die nagnano fagnasana angejabe tao an-dragnone ho an'i Jesôsy i Levy. Rahabe areo mpamory hetra sy ny olo hafa jay nitoboke teo amin'ny latabatre die nihinagna niarake tamin-dreo.30 Kanefa ny Fariseo sy ny mpanora-dalàna die nitaraigna tamin-reo mpianagne, nijaka hoe: ''Nagnino anao no mihinagna sy minogna miarake amin'reo mpamory hetra sy ny olo mpanota hafa?''31 Namaly andreo Jesôsy hoe: ''Tsy mila dokotera ny olo salama; fa ny marary mandy. 32Tsy avy hagnantso ny olo-marina ho amin'ny fibebahana Iaho, fa hagnantso ny mpanota ho amin'ny fibebahana.''33Die hoy andreo taminajy hoe: ''Reo mpianatr'i Jaona die majana mifady hanigna sy mivavake, die ny mpianatr'ireo Fariseo die magnano hôtran'ijay koa. Fany ny mpianatrao die mihinagna sy minogna.''34 Jesôsy nijaka andreo hoe: ''Moa ve misy olo mahavita mapifady hanigna ny havan'ny mpampiakatre raha hôtra ka mbola mipetrake eo amin-dreo ny mpampiakatra? 35Fa ho avy ny andro jay hangalana ny mpampiakatre eo amin-dreo, die amin'ijany andro ijany die hifady hanina areo.''36Die nagnano fagnoharana tamin-dreo Jesôsy. ''Tsy misy olo mandrovitre tapa-damba avy amin'ny lamba vao die mamapiasa ijany mba hagnamboarana ny lamba hambo. Raha magnano ijany ijy, die hametrake ny lamba vao, die ny tapa-damba avy amin'ny lamba vao die tsy hifagnarake amin'ny lamba hambo.37Tsy misy olo magnisy divay ao agnatin'ny siny hoditre hambo. Raha magnano ijany ijy, die handrovitre ny hoditre ny divay vao, ary die ho vere ny divay, die hivetrake ny siny hoditre.38 Fa ny divay vao die tsy mentsy atao agnatin'ny siny hoditre vao.39 Tsy misy olo avy nignona ny divay taloha ka hagniry ny vao, fa hoy ijy hoe: 'Ny taloha no tsara.'''Chapter 6
1Ary tamin'ny Sabata die nandeha nenga agny an-kose Jesôsy ary ireo mpianatre nangala tovom-bary, nikosoka an'ijany tamin'ny tagnan-dreo ary nihinagna ny vôny.2 Fa ny saragne tamin-dreo Fariseo koja nijaka hoe:" Nahôna anareo no magnano raha tsy ara-dalagna ny magnano ajy amin'ny andro Sabata?"3Namaly an-dreo, Jesôsy nijaka hoe:" Mbola tsy novakianareo akory ve ijay namboarin'i Davida laha te hihinagna ijy, ijy sy ireo lelahy ijay niaraka tamin'aje? 4Nandeha nenga ao an-tranon'Andriamanitra ijy, ary nandray ny mofon'ny fanatrehagna sy nihinagna ny ampahany tamin'ijany, ary nomeny ampahany koa ny lelahy ijay niaraka tamin'ajy mba hihinagna, na die ny mpisorona mandy aja no araky ny lalana laha mihinagna an'ijany.'' 5Avy eo Ijy nijaka tamin-dreo hoe:" Ny Zanak'olo die Tompon'ny Sabata."6Ary tamin'ny Sabata hafa die nandeha tao amin'ny synagoga Ijy die nampianatre ny vahôke tao. Nisy lelahy raike maty tagnana havanana tao. 7Nijaha akeky an'Ajy tsara areo mpanora-dalana sy areo fariseo mba hahita laha hagnasitragna olo amin'ny Sabata Ijy, mba ahafahan-dreo mahita antony hitoriana an'Aje. 8Kanefa fantane ijay tao an-tsain-dreo ary nijaka tamin'ilay lelahy maty tagnana Ijy hoe:" Mitsangana, ary mandihana eto agnivon'y olo abiaby eto." die Nitsangagna ilay lelahy ary nitsagagna teo.9Jesôsy nijaka tamin-dreo hoe:" Magnadigna anareo iaho, ara-dalagna amin'ny Sabata ve ny fanôvana ny tsara sa ny fanôvana ny ratsy, ny magnavotra aigna sa ny mamotika an'aje?" 10Ary nijaha ny magnodidigna ajy abiaby Ijy ka nijaka tamin'ilay lelahy hoe:" Amparo ny tagnanao." Nagnano ijany ijy, ary sitragna ny tagnany. 11Nefa feno havignirana areo ary nivoria ijay mety ho hamboarin-dreo amin'ny Jesôsy.12Tamin'ijany andro ijany die nandeha nenga agny an-tete Ijy mba hivavake. Notohijane nandritre ny aligna tontolo ny fivavahana tamin'Andriamanitra. 13Laha avy ny andro, nagnatso ny mpianay ho eo amin'Ajy Ijy, ary nifidy roa ambin'ny folo tamin-dreo Ijy, ijay nangehane mandy koa hoe Apostoly.14Ny agnaran'ireo Apostoly ireo die Simôna(Ijy ijay antsoina mandy koa hoe Petera) ary ny rahalahine Andrea, Jakôba, Jaona, Filipo, Bartelemeo, 15Matio, Tomasy, Jakôba janaka lahin'i Alfeo, Simôna ijay antsoina hoe Zelota, 16Jodasy janak'i Jakôba, ary Jodasy Iskariota, ijay lasa mpamadike.17Avy eo Jesôsy nijotso ny tete niarake tamin-dreo die nitsangagna tamin'ny tany marigna niaraka tamin'ny mpianane rahabe sy vahôke rahabe avy agny Jodia sy Jerosalema ary ny sisin-tanin'ny Tyro sy Sidona. 18Avy areo mba hiteno an'Aje ary mba ho sitragnina amin'ny aretin-dreo areo. Sitragna mandy koa ny vahôke ijay korontanin'ny fagnahy maloto. 19Ny olo abiaby tamin'ireo vahôke die niejaka ny hikasike an'Aje fehijay satria nivôke avy tamin'Aje ny hery magnasitragna, ary sitragne ijy abiaby20Die nijaha ny mpianane Ijy, ary nijaka hoe:"Sambatre anareo ijay misotry, fa anareo ny fanjakan'Andriamanitra. 21Sambatre anareo ijay te hihinagna ankehitrigny, fa ho voky anareo. Sambatre anareo ijay mitagne ankehitrigny, fa hihehe anareo22Sambatre anareo laha halan'olo ary laha ahili-dreo sy haratsian-dreo anareo, nohon'ny amin'ny Janak'olo.23 Mifalia amin'ijany andro ijany ary mibitaha an-kafaliana, satria ajo antoka fa hahajo valisoa lehibe agny an-danitre anareo, fa mitovy amin'ijany no nitondran'ny rajagnareo an'ireo mpaminany24Fa loja ho anareo ijay manan-karegna, fa efa ajonareo ijay mahafa-po anareo. 25Loja ho anareo ijay voky ankehitrigny, fa mbola ho te hihinagna anareo afara agne. Loja ho anareo ijay mihehe ankehitrigny, fa hisaogna sy hitagne anareo afara agne26Loja ho anareo, laha milaja tsara momba anareo ny olo abiaby, fa mitovy amin'ijany ny namboaran'ny rajagnareo tamin'ireo mpamimany sandoka27Fa mijaka aminareo ijay miteno Aho, tiavo ny fahavalonareo ary manôva ny tsara amin'ijay mankahala anareo. 28Tahio ijay magnojona anareo ary mivavaha ho an'ireo ijay magnano tsinontsinogna anareo29Laha misy mamelaka ny fifinao raike die omeo an'ajy koa ny ilane. Laha misy olo mangala ny sikignao, aja mitajogna na die ny akanjonao koa aja. 30Omeo ijay abiaby mangataka aminao. Laha misy olo mangala ny raha ijay anao, aja mangataka ny hameregnany ijany aminao.31Hôtran'ijay tianao hataon'ny olo aminao, die tokony hataonao amin-dreo koa ijany. 32Laha ijay olo tia anao mandy no tiavinao, ino ny soa ho ajonao amin'ijany? Fa na ny mpanota aja mba tia an'ijay tia an'ajy koa. 33Laha amin'ijay olo magnano soa nao mandy anao no magnano soa, ino no soa ho ajonao amin'ijany? Fa na ny mpanota aja die magnano hôtran'jany. 34Laha tsy mampindragna afa-tsy amin'ijay olo diasana hamerigna ijany aminao mandy anao, ino no soa ho ajonao amin'ijany? Fa ny mpanota aja mampindragna ny mpanota, mba hajahoana hôtran'ijany koa35Fa tiavo ny fahavalonareo ary manôva ny tsara ho an-dreo. Mampindrama ka aja miandre valiny ary lehibe ny valisoanareo ary ho janaky ny Avo indrindra anareo, fa Ijy tegnany die tsara fagnahy amin'ijay tsy misaotra sy ny olo ratsy fagnahy.36 Managna famindram-po, hôtrin'ny Rainareo mpamindra fo37Aja mitsara, ary tsy ho tsaraina anareo. Aja magnameloka, ary tsy ho melohina anareo. Mamela ny hafa, ary ho avela anareo38Magnomeja, die omena anareo ijany. Fahafoijana be_ijay atafotafo, miara-voahontsagna ary mitobake_ no hararake eo am-pofônao. Araka ny fagnarananareo, no agnaranana anareo hôtran'ijany koa."39Avy eo Ijy nagnano fagnoharana tamin-dreo koa."Moa ve ny olo jamba afake mitarike olo jamba hafa? Laha magnano an'ijany ijy, die mety hilatsake agny an-kady ijy roa, sa vande?40 Ny mpianatre raike die tsy lehibe noho ny mpampianane, fa ijay abiaby nahatanterake ny fiofagnana die hitovy amin'ny mpampianane41Fa nahôna anao no mijaha ny sombin-kajo bitike ijay ao agnatin'ny mason'ny rahalahinao, kanefa tsy mahatsikaritra ny vatan-kajo ao agnaty masonao? 42Ahôna no ijakanao ny rahalahinao hoe:' Ry rahalahe, mamela an'ahe hangala ny sombin-kajo eo amin'ny masonao eo io,' laha tsy hitanao akore ny vatan-kajo eo amin'ny masonao? Ry mpihatsaravelatsihy! Alay eo amin'ny masonao aloha ny vatan-kajo, avy eo die hahita tsara anao ka afake hangala ny sombin-kajo eo amin'ny mason'ny rahalahinao43Fa tsy misy hajo tsara hamokatre Vôniny lo, na hoe hajo lo hamokatre vôniny tsara. 44Fa ny hajo kiraidraike die fantatre amin'ny karajam-bôniny ijay vokarine. Fa tsy afake hambely aviavy amin'ny tsilo ny olo, na hangala vôloboka amin'ny hajona vôndroy45Ny olo tsara mamokatre ijay tsara avy amin'ny harena soan'ny fony, ary ny olo ratsy mamokatre ijay ratsy avy amin'ny haren-dratsin'ny fony. Fa ijay alôky ny fony no jakain'ny vavane46Fa magnino anareo no magnatso an'Ahe hoe: 'Tompo, Tompo, ' kanefa anareo tsy magnatanterake an' ijay raha jakaiko? 47Ny olo abiaby magnatogna an'Ahe sy maharegne ny jakako ary magnantanterake ijane, die ho jakaiko anareo hoe hôtriny ino ijy. 48Hôtrin'ny olo ijay nanangan-tragno ijy, ijay nandavake laligna teo amin'ny tany ary nagnorigna ny fototry ny trano teo ambony vatolampy. Laha avy ny ranobe, die nandriake nanohitre ijany trano ijany ny ranobe, fa tsy mampiotsogna an'aje, satria tsara origna ijy49Ary ijay olo maharegne ny jakako nefa tsy magnantanterake ijany, die mitovy amin'ny olo ijay nagnorina tragno teo ambonin'ny tany ka tsy nagnisy fototre. Laha nandriake namely io tragno io ny ranobe, dia nirodagna avy hatragne ijany, ary rava tanterake ijany trano ijany."Chapter 7laha efa nahavita nijaka ny raha manontolo teo agnatrehan'ny vahôka i Jesôsy, die niditra tao Kapernaomy Ijy
2Ary nisy kapiteny raika nanagna mpanompo ijay tena najainy, ary narary sy efa nariny ho maty ijy. 3Laha efa naharegny ny mahakasika an'i Jesôsy ilay Kapiteny, die nagnirake loholon'ny Jiosy ho agny Anajy ijy, hiengavy Anajy ba hoavy ary hagnafagna ny mpanompony. 4Ary laha efa avy teo amin'ny Jesôsy ijy ireo, die nangataka mafy tamin'Ajy, nijaka hoe: "Magneva ny hagnamboaranao anijany hônajy ijy, 5satria tieny ny firenenanay, ary ijy ilay nqgnambôtra ny Synagoga hônay."6Ka die nanohy ny lalagny niaraka tamin'ijy ireo i Jesôsy. Fa laha bola tsy lavitra ny tragno ijy, die nandefa akama ilay kapiteny nijaka taminajy hoe: "Tompo o, aja manahiran-tegna Anao, satria tsy magneva hidiranao ao ambany tafotragnoko aho. 7Noho ijany die tsy nisaigna ny tegnako hagneva ho eo aminao aho, fa mijaka jaka raika mandy die hahafaka ny mpanompoko.8 Ka satria iaho koa die lelahy ijay ambany voninahitra, managna miaramila ijay ambaniko koa. Hoy aho amin'itoy raika itoy hoe: 'Mandihana,' die nenga ijy, ary amin'ny raika hafa: 'Avis,' die tamy ijy, ary amin'ny mpanompoko hoe:' Atôvy itoy,' ary die amboariny ijany."9Laha efa naharegny anijany i Jesôsy, die gaga taminajy Ijy, ary niherika tamin'ny vahôka nagnaraka Anajy ka nijaka hoe: "Lajaiko aminareo, fa na die tagny Israely aja tsy nahitako finôna tahaka anijao." 10Laha nipody tagny andragno ireo ijay nirahina, die nahita fa salama tsara ilay mpanompo.11Tafarakelin'ijay, die nenga tamin'ny tanàna atao hoe Naina i Jesôsy, ary niaraka tamin'Ajy ireo mpianatrany sy ireo vahôka rahabe. 12Laha nariny ny vavahadin'ny tanàna Ijy, die nisy lelahy raika efa maty nindao nivôka, janaka lahy tokagnin'ny iendriny (ijay mpitodrategna), ary vahôka rahabe avy ao amin'ny tanàna no niaraka taminajy. 13Laha nahita anajy ny Tompo, die nalahelo tanteraka anajy ka nagnano taminajy hoe: "Aja mitomany." 14Aviteo die niakatra Ijy ary nitsamo ilay vata ijay nitondran'ijy ireo ny rajagna, ary nijanogna ireo nitondra an'ijany. Hoy Ijy hoe: Ry tovolahy, ho Aho aminao, mieregna." 15Die niarigna ilay maty ka nanomboka nijaka, ary Jesôsy nagnome anajy teo amin'i Endriny.16Nandresy anajy manontolo ny tahotra, ka nanohy nankalaja an'Andriamanitra hatragny ijy ireo, nijaka hoe: "Mpaminagny lehibe no natsangagna eto amintsena" ary "Andriamanitra nitsinjo ny olony." 17Itoy vôvao momban'i Jesôsy itoy die niparitaka nagneragna an'i Jodia sy ireo faritra magnodidigna manontolo.18Ireo mpianatr'i Jaona nijaka tamin'Ajy ny momban'ireo raha ireo. 19Die nangaika rolahiteo tamin'ireo mpianatrany Jaona ba hijaka hoe: "Anao ve ilay ho avy, sa tokony bola hijaha hafa ahay?" 20Ary laha efa nagnantogna mariny an'i Jesôsy ijy ireo, die hoy ireo lelahy hoe: "Jaona mpagnano batisa no nagniraka anay hôtoy Amino hagnotany hoe: 'Anao ve ilay ho avy, sa tokony bola hijaha hafa ahay?"'21Ary tamin'ijany fotôgna ijany die nampahafaka olo rahabe tamin'ny aretigna s'y fahorena ary fangirefirena avy amin'ireo fagnahy ratsy Ijy, ary olo jamba rahabe no nampahitainy. 22Jesôsy namaly ka nijaka tamin'ijy ireo hoe: "Laha efa avy nenga tamin'ny lalagnareo anareo, tatero amin'iJaona ijay hitanareo sy regninareo. Nahita ny jamba, nandeha ny malemy, ireo nadio ny boka, naharegny ny maregnina, nitsagan-kovelogna ny maty, ary nitorena ny filanjantsara ny olo agnatin'ny tsy fahampena. 23Sambatra ny olo ijay tsy miegnina ny mino Anahy nohon'ny amboariko."24Ary laha nenga ireo irak'i Jaona, die nanomboka nijaka tamin'ny vahôka Jesôsy ny momban'ny Jaona hoe: Hijaha ino no nivoahanareo tagny agnefitra? Volotara nihojongojognon'ny rivotra ve? 25Fa hijaha ino no nivoahanareo tagny? lelahy mekanjo tsara ve? Jahay, ireo ijay mekanjo akanjo lafo vidy sy ireo miaigna ao amin'ny fiegnana tsara die ao amin'ny lapan'ny mpajanka. 26Fa hijaha ino no nivoahanareo tagny? Mpaminagny ve? Eny, hoy Aho aminareo, ary mihôtra lavitra nohon'ny mpaminagny.27Ijy no ilay vôsoratra hoe: 'Indro, ampandihaniko meloha anao ny mpitondra hafatro, ijay hagnomagna ny lalagnao meloha anao'. 28Lajaiko aminareo, fa aminareo ijay natera-behivavy die tsy misy lehibe mihôtra an'i Jaona. Nefa ilay bitika indrindra ao amin'ny fanjakan'Andriamanitra die lehibe mihôtra Anajy."29(Laha efa naharegny anijany ny olo manontolo, agnisan'ijany ireo mpamory hetra, die nagnambara fa marina Andriamanitra, satria namboarina batisa tamin'ny batisan'i Jaona ijy ireo. 30Fa ireo Fariseo sy ireo mpahay lalàna Jiosy koja nandà ny tanjogn'Andriamanitra ho an'ny tegnan'ijy ireo, satria tsy namboarin'i Jaona batisa.)31Amin'ino, ary, no hahafahako mampitaha ny olo amin'itoy taranaka itoy? Hôtran'ino moa ijy ireo? 32Tahaka ny jaja mihira egny antsena ijy ireo, ijay mitoboka sy mifangaika ary mijaka hoe: 'Nitsioka ansodigna hônareo ahay, die tsy nandihy anareo. Nagnano hira fisôgnana hônareo ahay die tsy nitomagny anareo.'33Fa Jaona mpagnano batisa avy tsy nihinagna mofo ary tsy ninogna divay, die hoy anareo hoe: 'Misy demonia ijy.' 34Ny Janak'olo avy nihinagna sy ninogna, die hoy anareo hoe: 'Jereo fa tendan-kanina sy mpinogna Ijy, akaman'ireo mpamory hetra sy mpanota!" 35Fa ny fahendrena die vômarina amin'ny janagny manotolo."36Ary ny raika tamin'ireo Fariseo nanasa an'i Jesôsy hihinagna niaraka taminajy. Koa laha efa avy niditra tao andragnon'ilay Fariseo Jesôsy, die nitoboka hihinagnagna teo amin'ny latabatra. 37Indro, nisy viavy tao an-tanàna ijay mpanota. Ary laha efa nahatsikaritra ijy fa nitoboka teo amin'ny latabatra tao andragnon'ilay Fariseo Ijy, die nitondra tavoara alabastara feno menaka magnitra ijy. 38Ary laha nitsangagna tafarany mariny ny hongony teo ijy, die nitomagny, ka nanomboka nandegna ny hongony tamin'ny ranomasony, ka die nifafany tamin'ny volon-dohany ireo sady nagnoroka ny hongony ary nagnosotra ireo tamin'ny menaka magnitra.39Laha efa nahita anijany ilay Fariseo nanasa an'i Jesôsy, die nisaisaigna, nijaka hoe: "Laha mpaminagny ito lelahy ito, die tokony ho fantany hoe karajam-biavy manao akory io mitsamo Anajy io, fa mpagnota io." 40Jesôsy namaly ka nijaka hoe: "Simona, misy raha hijakaiko aminao. " Hoy ijy hoe: "Lajao ijany, Mpampianatra ô!"41Jesôsy nijaka hoe: "Nisy mpampindram-bola nanagna mpitrosa rôlahy. Ny raika die tokony handoa diman-jato denaria, ny raika dimam-polo. 42Laha efa tsy afaka nagnefa ijany tamin'ijy ireo, die samy navelany ijy rôlahy. Noho ijany, ija amin'ijy rôlahy no ho tia Anajy kokoa? 43Simona namaly Anajy ka nijaka hoe: " Heveriko fa ilay namoejany be." Die hoy Jesôsy taminajy hoe: Marina ny fitsaranao".44Ary Jesôsy niherika tagny amin'ilay viavy ka nijaka tamin'i Simona hoe: "Hitanao io viavy io. Niditra tato andragnonao Aho. Tsy nagnome rano hanasana ny hongotro anao, fa ijy nahakotsa ny hongotro tamin'ny ranomasony ary namafa ajy ireo tamin'ny volon-dohany. 45Tsy nagnoroka anahy anao, fa hatamijay nidirako tato die tsy nijanogna nagnoroka ny hongotro ijy.46Tsy nihosoranao diloilo ny lohako, fa ijy nagnosotra ny hongotro tamin'ny menaka magnitra. 47Noho ijany die mijaka aminao Aho fa, ireo fahotany, ijay rahabe, die vôvela satria ijy be fitiavana. Fa ijay navela kely, die tia kely."48Die hoy Ijy taminajy hoe: "vôvela ireo fahotanao." 49Ireo niaraka nitoboka nihinagna teo die nanomboka nifampivoria teo amindreo ireo hoe: "Ija moa Itoy ni die mamela heloka?" 50Aviteo hoy Jesôsy tamin-draviavy hoe: "ny finônao nous nahavonjy anao. Mandihana ampedanana."Chapter 8
1Ary tafara kelin'ijany die nanomboke nandeha nitety tanàna sy vohitre samihafa Jesôsy, nitory sy nagnambara ny filajantsara mahakasike ny fanjakan'Andriamanitre. Niarake taminy ireo olo roa ambin'ny folo lahy,2 hôtran'ireo viavy saragne jay afake tamin'ny fagnahy ratsy sy ny aretigna: Maria ijay nantsovana ho Magdalena, ijay efa namoahana demonia fito;3 Johana,vadin'i Koza, ijay mpintan-draharahan'i Heroda, ary Sosana; sy ireo maro hafa koa, ijay, tamin'ny fagnan'andreo, die nagnome ijay nilain'ndreo.4Laha bona nisy vahôke maro nivory, die tonga nagnatogna Anajy ireo olo avy tamin'ny isan-tanàna, Die nanao fagnoharana ijy hoe:5 "Nisy mpamboly nivôke mba hamafy voany. Laha ijy namafy igne, die vôfafy tegny amoron-dalagna ny saragny ary die vôdiadia ijany, ary lanin'ny voron'ny lagnitre. 6Ny saragne koja vôfafy tegny amin'ny vatolampe, ka laha vô nitsimoke, die nalajo ijany, satria tsy nisy hamandôna.7Ary ny saragny die voafafy teo amin'ny tsilo, ary ny tsilo niara-naniry tamin'ny voa ka nange ijany. 8Ny sasagny vôfafy tegny amin'ny tany lonake la namoa vokatre ijay tsara lavitra avo jato heny. "Tafaran'i Jesosy nijaka ireo raha ireo, die nangaika mahare Ijy hoe: "Ijay managna tadigny hitenôna, ôka ijy hiteno."9Nagnotany Anajy ny mpianatrany ny amin'ny tien'ijany fagnoharana ijany hilajaina. 10Hoy ijy hoe: "Ny fahalalana ny raha mivon'ny fanjakan'Andriamanitra die namena anareo, fa hôn'ny hafa die mijaka amin'ny fagnoharana Iaho, ba tsy hahita areo na die mahita aja, ary tsy hahafantatre na die maharegny aja."11Ary ijao no dikan'ilay fagnoharana: ny voa die ny jakan'Andriamanitra.12 Ireo vôfafy tegny amin'ny sisin-dalagna die ireo ijay maharegny, fa aviteo die ajon'ny devoly ka mangala ilay jaka tao am-pone, ba tsy hino sy ho vôvonjy areo. 13Ary ireo tamin'ny vatolampy koja die ireo ijay, rehetra maharegny ny jaka, die mandray anijany amin-kafalena. Nefa tsy misy vahany ireo; vetivety mandy ny finôndreo ireo, ary amin'ny fotôgna fitsapana die lavo areo.14Ireo voa vôfafy tamin'ny fantsy die ireo olo maharegny ny jaka, fa laha efa mandeha @lalagny ijy ireo, die vôgejan'ny fitebetebena sy ny harena ary ny fahafinaretan'ijao fiegnana ijao, ka tsy matoy ny vôny. 15 Fa ny voa vôfafy tamin'ny tany tsara, die areo no, miteno ny jaka tamin'ny fo marina sy tsara, ary areo ireo mitagna anajy ary namokatra amim-paharetana.16Ary, tsisy olo, laha efa nandrehitra jiro, die manarogna anajy amin'ny sarogne na mametraka anijany ao ambany fandrena. Fa koja, mametraka anajy eo amin'ny fanaovana jiro, ba ho hitan'ny olo manontolo ijay miditra ny hajavana. 17Satria tsisy takogna ijay tsy hampahafantarina, na raha mivony ijay tsy ho fantatra are hiseho eo amin'ny hajavana. 18Ka mitenoa tsara, ijay managna, die bona hamena rahabe,fa hôn'ijay tsy managna koja, na ijay heverine hanagnane aja die halaina aminaje"19Laha avy teo i endrine sy ny rahalahine nagnantogna Anajy, nefa tsy afake nagnakeky Anaje nohon'ny vahôke.20 Nisy nijaka tamin'aje hoe:" I endrinao amin'ny rahalahinao die mitsangagna ao ivelane, te hahita anao".21 Fa Jesôsy namale sy nijaka tamin-ndreo hoe:" I endriko sy ny rahalahiko d'ireo ijay maharegne ny jakan'Andriamanitre sy mambôtra an'ijane".22Ary indraika andro die nandeha an-sambo kely Ijy niarake tamin'ireo mpianane, sady ijy nijaka tamin-dreo hoe:" Andao atsena hoegne agnilan'ny farihy". Die nenga areo.23 Fa raha nandeha igne areo die resi-tory Jesôsy. Are nisy tafio-drivotre avy teo amin'ny farihy, ka dibo-drano ny sambo kely, ka die nitandindonin-doja areo.24Avy teo die nandeha teo aminaje die namoha anaje ireo mpianatr'i Jesôsy, nijaka hoe:" Tompo ô! Tompo ô! Ho mate atsena!" Are die nifoha ijy ka nijaka mahare ny rivotre amin'ny rano manonja, are niegnina areo, ka nisy fitonena teo.25 Ary nijaka tamin-dreo ijy hoe:" Aja ny finônareo?" Are natahotre mafy areo. Are natahotra sady gaga mandy koa areo, are nifampagnotane hoe:" Ija moa ilay io, no mandidy ny rivotre sy ny rano aja, are magneke Anaje areo?"26Areo die nahajo ny faritr'i Gerasena, ijay tandrifin'ny farihin'ny Galilea. 27Ary laha efa niakatre handeha egny an-tety Jesôsy, die tojo lelahy raike avy tao an-tanàna ijay nisy devoly. Ary efa ela ijy no tsy niekanjo, ary tsy nipetrake tao andragno fa tegny amin'ny fasagna.28Laha efa nahita an'i Jesôsy ijy, die nihieka mafy sy niankohoke teo alohane ka nijaka tamin'ny feo mafy hoe: "Ino no erasanao aminahe, ry Jesôsy, janak'Andriamanitra Aho iaho, aja mampijaly anahy." Fa Jesôsy nandidy ny fagnahy maloto hiala tao aminy lelahy. 29Fa efa nandritry ny fotôgna maro no nangeja anajy ijany, ka na die nifihejine tamin'ny rojo sy gadra vy ary nambenana aja ijy, die nipotehine ireo rojone ary nindaon'ny demonia tagny agnefitre ijy.30Jesôsy nagnotany anajy hoe: "Ija no agnaranao? Ary hoy ijy hoe: " fa be ny demonia ijay efa niditra tao aminaje.31 Ijy ireo nengavy Anajy hatragny mba tsy handefa anajy ho agny amin'ny lavaka tsy hita loholo.32Ary nisy andian-kisoa be nihinagna teo akekin'ny tendrombohitre. Ka nengavy Anajy ny demonia ba hamela andreo ho ao amin'ireo, ka namela anajy Ijy.33 Koa nivôka tao amin'ilay lelahy ireo demonia ary nifindra tao amin'ireo kisoa, ary nitratrevatreva tagny amin'ny hatsagna nandeha ao amin'ny farihy ireo andian-kisoa ka mate.34Ary nohon'ny nahita ny raha nitranga ny mpiambigna ny kisoa, die nihajakajake ka nijaka ijany tao an-tanàna sy tagny an-tsaha.35 Noho ijany die nivôke ny mponigna tao an-tanàna mba hijery ny raha nitranga, ary nagnatogna an'i Jesôsy areo ka nahita ilay lelahy ijay nivoahan'ny demonia. Ary ijy nipetraka teo an-tongotr'i Jesôsy, nitafe ary tonga saigna; ary raiki-tahotre areo.36Avy teo areo ijay nahita ijany nilaja andreo ny fomba nahasitragna ilay lelahy nanjakan'ny demonia. 37Ary ny vahôke rehetra teo amin'ny faritanin'i Gerasena die nangataka an'i Jesôsy ba hiala eo amin'dreo, satria diso natahotre lôtre areo. Noho ijany die nandeha an-sambo kely Ijy ba ahafahan'dreo miverigna.38Ilay lelahy nivoahan'ny demonia die nengavy taminaje ba hamela anajy handeha hiaraka aminaje, fa Jesôsy nandefa anajy, nijaka hoe:39 "Miveregna agny an-dragnonao ka magnomeja tatitre feno momba ijay nataon'Andriamanitre taminao." Ary ilay lelahy nandeha tamin'ny lalagne, die nagnambara maneragna ny tanagna manontolo ijay nataon'i Jesôsy taminaje.40Ary laha efa nipody Jesôsy, die nandray anajy ny vahôke, fa areo die efa niandry Anajy.41 Kay, nisy lelahy raike atao hoe Jairo, ijay raike tamin'ireo mpitarike tao amin'ny Synagoga, nagnatogna sy nenkohoke teo an-tongotr'i Jesôsy, ka nengavy anajy ba ho agny an-dragnone, 42satria ny janagne viavy tokagna, ijay jajaviavy teo amin'ny colo taogna teo ho eo, die eo ambavahôgnan'ny fahafatesana. Laha nandeha tamin'ny lalagne Jesôsy, die niarake nifaneritere nagnodidigna Anajy ny vahôka maro be.lol43Ary nisy viavy raike teo ijay efa nandeha rà nandritry ny rômbifolo taogna ary efa nandany ny volany manontolo, [Fagnamarihana: Ireo manam-pahejana die nijarajara hevitra raha tokony ampidirina eto ny fehezanteny hoe: Nandany ny volany manontolo (ijy) ] ary tsisy nahafake anajy n'ija n'ija.44 Ary ijy die nandeha teo afaran'i Jesôsy ka nikasika ny rambon-dambane, tonga die nijanogna ny ràne.45Jesôsy nijaka hoe: "Ija ilay nikasika Anahy teo?" Laha efa nandà ny manontolo, die hoy Petera hoe: "Tompo, magnodidigna Anao aby ny vahôka manontolo ary manere Anao." 46Fa Jesôsy nijaka hoe:" Nisy nikasika Iaho, satria fantako fa nisy hery nenga avy tato aminahe."47Laha efa hitan'ilay viavy fa tsy takogna ijy, die nangorohoro ijy ary nenkohoky taminaje. Nijakainy tamason'olo ny antony nikasihany Anajy, sy ny fomba tonga die nampahafake anaje.48 Ary Ijy nijaka taminaje hoe: "Ry janaka viave, ny finônao no nampahafaka anao. Mandihana am-pedagnana."49Avy eo laha bola nijaka ijy, die nisy olo raika avy amin'ny tragnon'ny mpitarika synagoga, nagnano hoe: "Maty ny janakao vave. Aja manahiragna ny mpampianatre koa." 50Fa laha efa naharegne ijany Jesôsy, die namaly an'i Jairo Ijy hoe: "Aja matahotre; minoa fotsiny mandy, die ho afak'ijy."51Laha efa niditra tao andragno Ijy, die tsy nagnabela olo na die raika aja hiaraka hiditra aminajy afa tsy i Petera sy Jaona sy Jakoba, sy iaban'ilay jaja sy ny iendriny.52 Ary ny manontolo die nisôgna sy nitomagny anajy,53 Fa ijy nijaka hoe: "Aja mitomagny; tsy maty ijy fa matory." Die nihejandreo Ijy, satria fantatra fa maty ilay jaja viave.54Fa niresiny tamin'ny tagnany ijy ka nangaika maharé, nijaka hoe: "Anaka, mitsangàna!" 55Ary nipody ny fagnahiny, ka niarigna avy hatragny ijy. Ary nibeko andreo ireo Ijy ba hagnome hanina ho anajy. 56Ary jendagna ny Ray aman-dreny, fa Ijy koja nandrara anajy ireo ba tsy hijaka na amin'ija na amin'ija ny raha ijay niseho.Chapter 9
1Nangaika ireo roa ambin'ny folo lahy Ijy ary nagnome anajy ireo ny hery sy fahefana amin'ireo domonia manontolo ary hagnasitragna ireo aretigna. 2Nalefany ijy ireo hitory ny fanjakan'Andriamanitra sy hagnasitragna ny marary.3Hoy Ijy tami'ijy ireo Ijy hoe: ''Aja mitondra na ino na ino amin'ny dienareo - tsy misy tehigna, tsy misy kitapom-batsy, tsy misy mofo, tsy misy vola, ary tsy misy akanjo fagnampiny. 4Ijay tragno idiranareo die mijanogna ao mandram-pelanareo.5Na aja na aja tsy handresan'ijy ireo anareo, laha efa mandao an'ijany tanàna ijany anareo, die ahitsagno hiala amin'ny hongotrareo ny vovoka ba ho fijorôna vavolombelogna hanoherana anajy ireo.'' 6Avy teo die nenga ijy ireo ary namakivaky ireo tanàna , nitory ny filajan-tsara sy nagnasitragna tegny rehetra tegny.7Ary regnin'i Eroda mpanapaka aby ireo ijay nitranga manontolo, ary die very hevitra ijy, satria vôlajan'ny sasagny fa Jaona mpagnano batisa die nitsangagna tamin'ny maty, 8ary vôlaja fa niseho Elia, ary ny saragny koja nilaja fa ny raika tamin'i reo mpaminagny taloha no nitsangagna tamin'ny maty. 9Hoy Eroda hoe: '' Iaho no nanapa-doha an'i Jaona, ka ija koa ijany olo andrignesako raha hôtran'ijany?'' Ary niejaka ny hahita Anajy ijy.10Laha efa nimpody ireo apostoly, die nitantara taminajy ireo raha manontolo vitan'ijy ireo. Avy teo nindao niaraka tamin'ajy ijy ireo, ary nenga nitokagna hômin'ny tanàna atao hoe Betsaida.11 Fa vantany naharegny ny mahakasika anijany ireo vahôka, die nagnaraka Anajy. Die niresin'ijy ireo ary nilajainy anajy ireo ny momban'ny fanjakan'Andriamanitra, ary nagnasitragna ireo ijay nila fagnasitragnana Ijy.12Ary laha efa ho hariva ny andro, die nagnantogna an'ajy ireo roa ambin'ny folo ka nijaka hoe: ''Alifaso henga ireo vahôka ba hahafahan'ijy ireo menga agny amin'ny tanàna magnodidigna sy ambanivolo ba hahita fatorena sy rahanina, satria atoy amin'ny tany fôgna antsena.'' 13Fa hoy ijy tamin'ijy ireo hoe: ''Amenareo raha hohanina ijy ireo.'' Ary nijaka areo hoe: ''Tsy managna mihôtran'ny mofo dimy sy hajandrano rolahiteo ahay, laha tsy hoe menga ahay ary mividy raha hanina hôn'ireo olo manontolo ireo.'' 14(Teo die nisy lelahy tokotokony ho dimy arivo teo ho eo) Ary nilaja tamin'ireo mpianany Ijy hoe: ''Ampitobohy ho vondrogna dimampolo isanisany ijy ireo.''15Ka die nagnano an'ijany ijy ireo, ary nampitoboka ireo vahôka. 16Nandramby ireo mofo dimy sy hajandrano rolahiteo, die nendrandra ny lagnitra Ijy, nisaotra ireo ary nijarajarainy, ka die nameny ireo mpianatra ijany ba hatolotra an'ireo vahôka. 17Nihinagna ijy manontolo ka tempo, ary navory ireo ambiny tsy nany, ka nisy potipotigne roa ambin'ny folo tanty.18Ary laha efa nivavaka manokagna Jesôsy, die niaraka tamin'Ajy ireo mpianatra. Die nagnotany anajy ireo Ijy, nagnano hoe: ''Ataon'ireo vahôka ho ija moa aho?''. 19Namaly ijy ireo hoe: ''Jaona mpagnano batisa. Fa ireo saragny nilaja hoe Elia, ary ireo saragny nilaja fa nitsangagna tamin'ny maty ny raika tamin'ireo mpaminagny taloha.''20Ary nijaka tamin-dreo Ijy hoe: ''Fa ataonao ho ija moa Aho?'' Namaly petera hoe: ''Ilay Kristy Andriamanitra.'' 21Fa nirarany mafy ijy ireo tsy hilaja an'ijany na amin'ija na amin'ija, 22nagnano hoe: ''Ny janak'olo die tsy mentsy hijaly amin'ny raha maro ary ho lavin'ireo loholona sy ireo lohan'ny mpisorogna ary ireo mpanoratra lalàna, hivonina Ijy ary amin'ny andro fahatelo die hatsangagna''23Ary hoy Ijy tamin'ijy manontolo hoe: ''laha misy te-hagnaraka anahy, die tsy mentsy mandà ny tegnany ijy ary mitondra ny hajo fijaleny isan'andro ary magnaraka Anahy. 24Na ija na ija te-hagnavotra ny aigny die hagnary ijany, fa na ija na ija magnary ny aigny nohon'ny fitiavana Anahy, die hagnavotra anijany. 25Ino no tsara ajon'olo amin'ny lanagnana an'ijao totolo ijao, ka anefa magnary na magnapotika ny aigny?26Fa na ija na ija megnatra ny aminahy sy ireo jakako, die ho megnatra anajy koa ny janak'olo laha efa avy amin'ny voninahiny, sy ny voninahitry ny Ray sy ireo anjely masigna Ijy.27 Fa lajaiko marina aminareo, fa ny saragny amin'ireo ijay mitsangagna eto die tsy hahita fahafatesana melohan'ny ahitany ny fanjakan'Andriamanitra.''28Ary valo andro teo ho eo tafaran'ny nilajan'i Jesôsy ireo jaka ireo, die nidôsiny niaraka taminajy i Petera sy Jaona ary Jakoba ka niakatra ny tendrombohitra hivavaka.29 Laha nivavaka igny Ijy, die niova ny endriky ny tarehiny, ary niova fotsy mamirapiratra ny akanjony.30Ka nisy rôlahy nijaka tamin'ajy, Mosesy sy Elisa, 31ijay niseho tamim-boninahitra mamirapiratra. Niresaka mahakasika ny felany Ijy, ijay nindany ho tanterahina agny Jerosalema.32Ary Petera sy ireo ijay niaraka taminajy die navesatry ny torimaso, fa laha tena taitra tanteraka ijy ireo, die nahita ny voninahiny sy ireo lelahy rôlahy ijay nitsangagna niaraka tamin'ajy. 33Ary laha efa niala nagnalavitra an'i Jesôsy ijy ireo, die hoy Petera tamin'ajy hoe: Tompo, tsara amintsena no mijanogna eto. Abilay ahay hambôtra felofana telo, raika hônao, raika hôn'ny Mosesy, ary ny raika hôn'i Elia.'' (Tsy fantany ijay nijakainy.)34Teo ampijakany an'ijany ijy, die nisy rahogna avy nanarogna anajy ireo, ka die natahotra ijy ireo laha efa niditra tao amin'ilay rahogna. 35Nisy feo nivôka lahatagny amin'ny rahogna, nagnano hoe: ''Itoy ny Janaka Lahiko, ilay Iray ijay vôfidy; tenoy Ijy.''36 Laha efa nijaka ilay feo, die Jesôsy raika mandy no hita teo. Nitajogna ny fahanginany ijy ireo ary tsy nijaka tamin'ija na ija tamin'ijany andro ijany ny momba ijay rehatra hitan'ijy ireo.37Ary ny andro magnaraka an'io, laha efa nidigna avy agny an-tendrombohitra ijy ireo, die vahôka rahabe nifakatojo taminajy. 38Ka nisy lehilahy raika avy tao amin'ny vahôka nihiekeka maharé, nagnano hoe: ''Ry mpapianatra o, mengavy aminao aho ba hijaha an'itoy janako lahy itoy, fa janako tokagna ijy. 39Hitanao, misy fagnahy mibeko anajy die mihieka tampoka ijy; mampifanintogna anajy ijany ka mampamôka rôtra ny vavany. Tsy miala aminajy ijany ary mahatorovana tanteraka anajy. 40Niengavy tamin'ireo mpianatrao aho ba hangala anijany, fa tsy afak'ijy ireo.''41Namaly Jesôsy ka nagnano hoe: ''Anareo tsy mpino sy taranaka ratsy fitondran-tegna, hafirena no tsy mentsy hitobohako miaraka aminareo sy heretako miaraka aminareo? Indôsy etoy ny janakao lelahy.'' 42Laha efa nagnantogna le jaja lahy, die natsipin'ny demonia tamin'ny tany ijy ary nampihinjitsinjitra anajy. Fa Jesôsy nijaka maharé le fagnahy maloto ary nagnasitragna le jaja lahy, ary namerigna anajy tagny amin'ny iabany.43Ary avy teo die talanjogna aby ijy manontolo nahita ny halehiben'Andriamanitra. Laha jendagna tamin'ny java-drehetra namboariny igny ijy ireo, die hoy Ijy tamin'ny mpianany hoe: 44''Abilao ito jaka ito ho lasa laligna ao an-sofignareo: ny Janak'olo die ho vadihana ho eo antagnan'olo.'' 45Fa tsy ajon'ijy ireo ijany fagnambarany ijany. Ijany die nasitrika tamin'ijy ireo, noho ijany die tsy ajon'ijy ireo ny dikan'ijany, ary bola natahotra ijy ireo ny hagnotany ny momba ijany fagnambarana ijany.46Ary avy teo die nisy fifampizizôna nanomboka teo amin'ijy ireo ny amin'ijay ho lehibe indrindra amin'ajy ireo. 47Fa Jesôsy, nahalala ny fihevitra tagny am-pon'ijy ireo, die nangala jaja kely raika ka napetragny teo agnilany 48ary nijaka tamin'ijy ireo hoe: ''Fa na ija mandray anitoy jaja itoy amin'ny agnarako, die mandray Anahy; ary na ija na ija mandray Anahy, die mandray an'i Ray ijay nagniraka Anahy. Fa ijay kely indrindra aminareo manontolo no lehibe.''49Jaona namaly hoe: ''Tompo o, nahita olo raika ahay nangala demonia tamin'ny agnaranao, die nisakananay ijy, satria ijy tsy ba magnara-dia miaraka aminay.'' 50Aja rarana ijy, hoy Jesôsy, ''satria je tsy manohitra anareo die momba anareo.''51Laha efa nihanariny ny andro ampiakarana Anajy, die niatrika ho agny Jerosalema Ijy. 52Nandefa mpitondra hafatra ijy heloha Anajy, ary nenga ijy ireo ka niditra tao amin'ny tanàna Samaritana raika ba hagnomagna ny raha manontolo hôn'Ajy. 53Fa ny vahôka tao tsy nandray Anajy, satria nitodika ho agny Jerosalema Ijy.54Laha efa nahita an'ijany Jakoba sy Jaona mpianatra, die hoy ijy ireo hoe: ''Tompoko, tienao ve ahay laha handefa afo milatsaka avy lahatagny andagnitra ba hamotika anajy ireo?'' 55Fa niherika Ijy ary nijaka maheré tamin'ijy ireo, 56ary lasa tagny amin'ny tanàna hafa ijy ireo.57Ary laha efa nenga tegny andalagna ijy ireo, die nisy olo raika nagnano tamin'ajy hoe: ''Hagnaraka Anao aho na aja na aja handihananao.'' 58Jesôsy nijaka taminajy hoe: ''Ny amboahôlo manan-davaka, ary ireo vorogna egny andagnitra die managna ny songony, fa ny janak'olo tsy managna toerana hasena ny lohany.''59Ary hoy Ijy tamin'ny hafa hoe: ''Magnaraha Anahy.'' Fa hoy Ijy hoe: ''Tompoko, abilay aho aloha henga handevignan'ny iabako.'' 60Fa hoy Ijy taminajy hoe: ''Abilay ny maty handevigna ny maty ao aminajy. Fa hônao, mandihana ka mitoria agny alavitra agny ary itaro ny fanjakan'Andriamanitra.''61Ary nisy olo hafa nagnano hoe: ''Hagnaraka Anao aho, Tompo, fa abilay aho aloha hagnano veloma ireo agny an-dragnoko.'' 62Jesôsy namaly anajy hoe: ''Tsy misy olo mitagna angady ary mitodika ka magneva ho ao amin'ny fanjakan'Andriamanitra.''Chapter 10
1Ary tafaran'iregne raha iregne, die nifidy fitopolo lahy [Fagnamarihana: Rahabe amin'ireo fandikana taloha tsara indrindra no mivaky hoe:" Fitopolo", Fa ny saragne mivaky hoe:" roa ambi-fitopolo." ] hafa ny Tompo, ary nandefa an'aje iregne kiroadroa nialoha an'Ajy tagny amin'ny tanàna abiaby sy toerana ijay efa handehanany. 2Hoy Ijy tamin-dreo hoe:" Be ny vokatra, fa vitsy ny mpiasa. Noho ijany hangataho ny tompon'ny vokatra mba handefa mpiasa mba ho egny amin'ny vokatra.3Mandehana amin'ny lalagnareo. Jereo, alefako hôtran'ny Janak'ondry eo afovoan'ny amboadia anareo. 4Aja mitondra fitoeram-bola, na fitoeran'entana, na kapa, ary aja miarahaba n'ija n'ija egny an-dalagna.5Ijay tragno hidiranareo, lajao aloha hoe :'' Fiadagnana anie ho amin'itoy tragno itoy! 6Laha misy olon'ny fiadagnana ao, die hitoetra amin'ajy ny fiadagnana ijay lajainareo, fa laha tsy misy koja, die himpody aminareo ijany. 7Midoboha ao amin'io tragno io mandy, mihinana sy minoma ijay omen-dreo, fa ny mpiasa die mendrika ny karamany. Aja mifindrafindra tragno8Fa amin'ijay tanàna idiranareo, ka mandray anareo, hano ijay aroso eo alohanareo, 9ary sitragno ny marary ijay ao. Lajao areo hoe:" Efa magneke anareo ny fanjakan'Andriamanitra."10Na ovena na ovena anareo no miditre tanàna ka tsy mandray anareo areo, die mivoaha egne an-dalana ary lajao hoe:"11 Fa na die ny vovoky ny tanànareo ijay mirekitre amin'ny tongotray aja die ho fafanay hanohitra anareo! fantaro anefa ijao: Efa magnakeke ny fanjakan'Andriamanitra."12 Lajaiko aminareo fa amin'ny andron'ny fitsarana die ho ajo leferina loholoho ny an'i Sodoma noho ny amin'ijany tanàna ijany.13Loja ho anareo ry Korazina! Loja ho anao ry Betsaida! Fa laha ny asa lehibe ijay natao tao aminao no natao Tany Tyro sy Sidona, die efa ela areo no nibebake, nidoboke tamin'ny lamba fisaognana sy lakevogna. 14Fa ajo leferina loloholoho ny an'i Tyro sy Sidona amin'ny fitsarana noho ny aminareo. 15Anao ry Kapernaomy, mieritreritre ve anao fa ho hasandratre any an-danitra? Tsiare, hindôsina mijotso agny amin'ny Hadesy anao.16Ijay miteno anareo die miteno an'Ahe, ary ijay mandà anareo mandà an'Ahe, ary ijay mandà an'Ahe die mandà ijay nagnirake an'Ahe."17Niverigna am-pifaliana ireo fito-olo, ka nilaja hoe:'' Tompo, na die ny demonia aja die nagneke anay tamin'ny agnaranao."18 Jesôsy nijaka tamin-dreo hoe:" Nijaha an'i Satana nilatsaka avy agny an-danitra hôtrin'ny helatre Iaho." 19Jahao, fa efa nomeko anareo ny fahefana hagnitsake ny menaragna, ny hala, ary ambonin'ny hery abiabin'ny fahavalo, ary n'ino n' ino die tsy hisy handratra anareo amin'ny fomba abiaby. 20Na die ijany aja die aja mifaly fotsiny amin'ijane, hoe nagneke anareo ny fagnahy, fa mifalia loholoho hoe vôsoratre agny an-danitre ny agnaranareo."21Tamin'io fotôgna'io mandy die nifaly tokôtre tao amin'ny Fanahy Masina ijy, ary nijaka hoe:" Midera ano aho, ry Ray, Tompon'ny lanitra sy ny tany, fa efa navoninao iregne raha iregne tamin'ny hendre sy ny manan-tsaigna, ary nambara tamin'ireo tsy manam-pahalalana, hôtrin'ny jaja bitike. Eke, Raiko, fa ijany no ankasitrahana tsara eo imasonao."22Ny raha abiaby die nankinin'ny Ray tamin'Ahe, ary tsy misy mahalala hoe ija ny Janake afa tsy ny Ray, ary tsy misy mahalala hoe ija ny Ray afa-tsy ny Janake sy ijay nosafidian'ny Janake haseho an'Aje."23Avy eo die nihodigna teo amin'ny mpianatra Ijy ka nilaja mangingigna hoe:" Sambatra ijay mahita ireo raha ijay hitanareo.24 Lajaiko aminareo, mpaminany sy mpanjaka rahabe no nagniry hahita ijay raha hitanareo, fa tsy hitan-dreo ijany, ary haharegne ireo raha regninareo fa tsy regnin-dreo ijane."25Indro, nisy mpampianatre ny lalàn'ny Jiosy raike nitsangagna mba hitsapa an'Aje, ka nilaja hoe:" Mpampianatra ô, ino no tsy mentsy hataoko mba handova ny faignana mandrakijay? 26Jesôsy nijaka tamin'ajy hoe: Ino no vôsoratre ao amin'ny lalàna? Ahôna no famakianao an'ijane? 27Nagnome valinteny ijy die nijaka hoe:" Tiavo ny Tompo Andriamanitrao amin'y fonao manontolo, amin'ny fagnahinao manontolo, ary amin'ny fisaignanao manontolo, ary ny akamanao hôtrin'ny tegnanao." 28Jesôsy nijaka tamin'ajy hoe:" Marina ny navalinao. Atôvy ijany die ho velogna anao.''29Fa ilay mpampianatre, nagniry hagnamarina ny tegnany, die nijaka tamin'ny Jesôsy hoe:" Ija no akamako? 30Namaly an'aje Jesôsy nijaka hoe: '' Nisy lelahy raike nijotso avy agny Jerosalema ho agny Jerikô. Ijy die ajon'ireo mpandroba, ijay nagnedake ireo fanagnane abiaby tegne amin'aje, sy nandraboke an'aje, ary namela an'aje ho faty.31Ary sendra nisy mpisorogna nandalo tamin'ijany lalana ijany, ary nony nahita an'aje ijy die nandeha tegne am-pita. 32Hôtran'ijany koa ny Levita raike, laha nadalo tamin'ilay toerana ka nahita an'aje, die nandeha tegne am-pita.33Fa ny Samaritana raike, laha nandeha tamin'ny nombane ijy die avy teo amin'ny nisy an'aje. Laha nahita an'aje ijy , die nitsetra an'aje. 34Die nagnatogna an'ajy ijy ka namatotre ny ferine, ary nadrarake menake sy divay tamin'ijany. Nampidebane ny bibiny ijy, ka nindôsiny tagne amin'ny tragnom-bahiny, ary nokarakarainy. 35Ny ampitso die nangala denaria roa ijy, ary nanolotre an'ijany tamin'ny mpampiantrano, ary nagnano hoe:" Karakarao ijy, ary na hoatrinona na hoatrinona laninao mihôtre, laha miverigna iaho, die ho efaiko.''36Ija amin'ijy telo ireo, araka ny eritreritrao, no akaman'ilay ajon'ny mpandroba?" 37Namaly ilay mpampianatra hoe:" ilay raike ijay naneho fiantrana an'aje." Jesôsy nijaka tamin'ajy hoe:" Mandehana ary manôva hôtran'ijany koa38Ary laha nandeha areo, die niditre tao amin'ny tanàna raike Ijy, ary nisy viavy raike antsoina hoe Marta nampandroso an'Ajy tao an-dragnony. 39Nanagna rahavavy atao hoe Maria ijy, ijay nidoboke teo an-tongotry ny Tompo ary naharegne ny jakany.40Fa Marta sahiragna be tamin'ny fikarakarana ny hanina ho aroso. Nenga eo amin'ny Jesôsy ijy, die nagnano hoe:" Tompo, tsy mampagnino Anao ve ny namelan'ny rahavaviko an'ahe hanompo irere? Koa jakay ijy mba hagnampy an'ahe." 41Fa namaly ny Tompo ka nagnano tamin'ajy hoe:" Marta, Marta, Magnahy amin'ny raha maro be anao ,42 kanefa raha raike mandy no tena ilaina. Maria die efa nifidy ijay tsara indrindra, ijay tsy ho alaina amin'ajy."Chapter 11
1Die ijao no niseho laha nivavake tao amin'ny toerana raike Jesôsy, nisy raike tamin'ireo mpinatrane nijaka tamin'Aje hoe: "Tompo, mba ampenaro mivavaka ahay hôtran'ny nampenaran'i Jaona ireo mpianatrane."2Hoy Jesôsy tamin-dreo hoe: ''Laha mivavake anareo die manôva hoe: "Ray ô, ho hamasignina anie negnaranao. Ho avy anie ny fanjakanao.3Omeo anay ny haninay isan'adro.4 Abilao ny fahotanay, hôtran'ny nagnabilanay ijay meloka taminay. Aja mitondra anay ho agny amin'ny fakam-pagnahy.5Jesôsy nijaka tamin-dreo hoe: "Ija aminareo hanagna akama, ary hienga hômin'ajy agny amin'ny sasakaligna, ary hijaka amin'ajy hoe: 'Ry akama, mba ampitrosay mofo telo iaho,6 fa misy akamako raike vô avy lavitre, ka tsy managna n'ino n'ino homena an'ajy iaho.'7 Ary mety hamaly an'ajy ny raike ao an-dragno ka hijaka hoe: 'Aja manabataba an'ahe.' Efa mihidy ny varavaragna, ary janako, efa matory, miaraka amin'ahe. Tsy afaka ny hifoha hagnome mofo anao iaho.'8 Mijaka aminareo Iaho, fa na die mifoha ka hagnome mofo anareo aja ijy satria akamany anareo, die nohon'ny ejaka namboarinareo tsy misy hegnatre, die hifoha ijy ary hagnome anareo ny mofo abiaby ijay ilainareo.9Mbola mijaka aminareo koa iaho, Mangataha die homena anareo ijane; mandrombeja, die hahita anareo; dodogny, die hivohana anareo. 10Fa ny olo abiaby ijay mangatake die mahajo, ary ijay mandrembe die hahita; ary ijay olo mandòndogna, die hivohàna.11IJa aminareo raim-pianakavena ireo, laha mangataka trondro ny janakareo, die hagnome an'ajy bibilava fa tsy trondro? [Fagnamarihana: Ireo fandikana tsara indrindra misy vaki-teny fohike loholoho, ijay arahintsena eto. Ny fandikàna talohaka saragne die misy vaki-teny lavalava loholoho,ijay hita ao amin'ny Matio 7:9 mandy koa: "Raim-pianakavena ija aminareo, laha mangataka mofo ny janakareo, no hagnome an'ajy vato? Na trondro, die hagnome an'ajy bibilava?'']12 Na laha mangataka atody ijy, die homenareo maingoke ve ijy?13 Noho ijany, laha anareo ratsy fagnahy aja mahay magnome fagnomejana tsara hôn'ny janakareo, die hôtran'ny akory ny hakadirin'ny Fanahy Masina homen'iabanareo ijay agny an-dagnitra hôn'ireo ijay mangataka amin'aje?"14Ary Jesôsy nandrôke devoly môgna. Laha nienga ilay devoly, die nanjary nahay nijaka ilay lelahy môgna, ka jendagna ny fokon'olo.15 Fa ny olo saragne nijaka fa: "Amin'ny alalan'i Beljeboba, ijay lehiben'ny devoly, no androahane devoly."16Ny saragne nitsapa an'Ajy ary nandrembe famantarana avy agny an-dagnitre tamin'Aje.17 Nefa fantatr'i Jesôsy ijay tao an-tsain-dreo ka nijaka tamin-dreo IJy hoe: ''ireo fanjakana abiaby ijay misarasarake die ho rava, ary ny tragno ijay misarasarake die hirodagna."18Ka laha miady an-dragno ary Satana, akory no hampaharitra ny fanjakane? Fa hoy anareo hoe mandrôke devoly amin'ny alàlan'i Beljeboba Iaho.19 Fa laha mandrôka devoly amin'ny alàlan'i Beljeboba ary Iaho, amin'ny alàlan'ija koja no androahan'ny mpagnara-dia anareo an'aje? Noho ijane, die areo no hitsara anareo. 20Fa laha mandrôka ny devoly amin'ny alàlan'ny ratsan-tagnan'Andriamanitra Iaho, die avy aminareo ny fanjakan'Andriamanitra.21Laha ampy fitôvana tsara ny lelahy matanjaka raike miambigna ny tragnone, die vôambigna ny fanagnane, 22nefa koja laha matanjaka mihôtran'aje ny lelahy raike ka mandresy an'aje, die alain'ilay lelahy matanjaka moramora amin'ilay lelahy ny fediene, ary hangalarine ny fanagnan'ilay lelahy.23 Ijay tsy miaraka amin'Ahe die manohitra an'Ahe, ary ijay tsy mivory miaraka amin'Ahe die miparitake.24Laha miala amin'olo raike ny fagnahy ratsy, die menga ijy mamakivaky toerana tsy misy rano ary mandrembe fitsaharana. Ary laha tsy mahita, die hoy ijy hoe: "Handeha hipody amin'ny tragno misy an'ahy iaho."25 Laha tafapody, ijy die mahita ijany tragno ijany vôdio sy vôlamigna.26 Afaran'izay ijy die menga ary mangala fagnahy hafa ratsy loholoho tegnane miisa fito miaraka amin'aje ijy ary miditre mba honigna ao ijy abiaby. Ka ratsy loholoho noho ilay vôlohane ny fefaran'ijany olo ijane."27Ary laha nijaka ireo raha ireo ijy, die nisy viavy raike nijaka mahare tafovôn'ny fokon'olo ary nijaka tamin'ajy hoe: "Sambatre ny troke ijay niterahana anao sy ny nono ijay ninonônao."28 Fa hoy koja ijy hoe:" Sambatra loholoho aja, ireo ijay miheno ny tenin'Andriamanitra sy mitagna ijane."29Ary laha mbola niampy ny fokon'olo, die nanomboka nijaka jesôsy hoe:" Itoy taranaka itoy die ratsy. Miremby famantarana ijy, nefa tsy hisy famantarana atoro an'ajy afa tsy ny famantaran'i Jona. 30Fa hôtran'ny nahatonga an'i Jona ho famantarana tamin'ireo Ninivita, hôtr'ijany koa die ho famantarana ny Janak'Olo amin'itoy taranaka itoy.31Ny mpanjaka viavin'ny Atsimo die hitsangagna amin'ny fitsarana miaraka amin'ireo lelahy amin'itoy taranaka itoy ka hagnameloke an-dreo, fa tonga lahatagny amin'ny faran'ny tany ijy mba hiheno ny fahendren'i Solomona, ary indro, eto ny olo makadiry mihôtran'i Solomona.32Ny lelahin'i Ninive die hiara-hitsangagna amin'itoy taranaka itoy amin'ny fitsarana ary hagnameloka an'ajy, satria niova fo tamin'ny nitorian'i Jona areo, ary indro, misy olo makadiry mihôtran'i Jona eto.33Tsy misy olo raike, laha avy namelogna Jiro, die mametraka ijany amin'ny toerana takogna na ao ambanin'ny tanty, fa apetrakane eo amin'ny fisy jiro, mba ho hitan'ijay miditra ny hajavàna. 34Ny masonao no jiron'ny vatagna. Laha tsara ny masonao, die feno hajavàna ny vatagna abiaby. Fa laha ratsy koja ny masonao, die feno hejigna ny vatagnao.35 Noho ijane, mitandrema anareo mba tsy ho mejigna ny hajavàna ao aminareo. 36Ary, laha feno hajavàna ary ny tegnanao abiaby, ka tsy misy ampahan'ijany ao agnaty hejigna, die hanjary hôtran'ny jiro ijay mampamiratre ny hajavàne eo aminao ny tegnanao manontolo.37Laha tapitra ny voriane, die nisy Fariseo nagnasa an'ajy hiara-hihinagna amin'aje agny an-dragnone, die niditra Jesôsy ka nitoboke.38 Jendagna ilay fariseo fa tsy nisasa alohake Jesôsy alohakan'ny hihinagna.39Fa hoy ny Tompo tamin'ajy hoe: "Amin'ijao andro ijao, Anareo Fariseo, die manasa ny ivelan'ny kôpy sy ny vilia, nefa ny ao agnatinareo die feno rombaka sy faharatsena." 40Anareo ry kely saigna! Tsy nambôtre ijay ao agnatiny mandy koa ve ijay nambôtre ny ivelagne? 41Omeo ny misotry ijay ao agnatine, die ho madio hônareo abikoa ny raha abiaby.42Fa loja hônareo ry Fariseo, satria magnome ny ampahafolon'ny solila sy ny rota ary ny hajo hafa egny an-karenana anareo, nefa tsy nivakinareo loha ny fahamarignana sy ny fitiavan'Andriamanitra. Ilaina ny mambôtra ny marina sy mitia an'Andriamanitra, no sady tsy magnadigno ny mambôtra ireo raha hafa mandy koa.43Loja hônareo ry Fariseo, fa tianareo ny fitobohana vôlohane egny amin'ny synagoga sy ny fagnontaniana feno fagnajàna anareo egny a-tsena.44 Loja hônareo, fa anareo die hôtran'ny kobory tsy misy famantarana ijay didian'olo fa tsy fantane ijane.45Ny raike tamin'ireo mpampianatra lalàna nijaka tamin'Ajy hoe: "Mpampianatra ô, ijany vorianinao ijany die mangala baraka anay koa." 46Jesôsy nijaka hoe: "Loja hônareo, ry mpanora-dalàna! Fa mampitondra enta-mavesatre tsy jakan'olo anareo, nefa tsy mikasika ijany enta-mavesatra ijany akory na die ny ratsan-tagnanareo raika aja.47Loja hônareo, satria nambôtra kobory hôn'ireo mpaminany anareo, nefa ny rajambenareo no namono an-dreo. 48Ka vavolombelogna sady nagneke ny asan'ny rajagnareo anareo, fa namono an-dreo tokôtre areo ka anareo no mambôtre ny koborine.49Noho ijany mandy koa, no nagnambaran'ny fahendren'Andriamanitra hoe: ''Handefa mpaminany sy apôstôly amin-dreo Iaho, ary areo hamono sy hagnenjika ny saragne amin-dreo." 50Itoy taranaka itoy, ijany, no ho tompon'andrekitre amin'ny ràn'ireo mpaminany abiaby trotrake hatramin'ny namorognana ijao tontolo ijao,51 nanomboka teo amin'ny ràn'i Abela ka hatramin'ny ràn'i Zakaria, ijay nivonina teo agnelagnelan'ny alitara sy ny fitoerana masina. Ieke, jakaiko marina aminareo, fa itoy taranaka itoy no ho tompon'antoke.52Loja hônareo ry mpampianatra lalàn'ny Jiosy, satria nalainareo ny lakilen'ny fahalalana; tsy miditra ao ny tegnanareo, ary sakananareo ireo ijay miditre.53Tafaran'ny nengan'i Jesôsy teo, die nanohitra an'Ajy ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo ary niady hevitra tamin'Ajy mahakasika ny raha maro, 54sady niejaka ny hamatotra an'Aje tamin'ny resagne mande.Chapter 12
1Tamin'ijany, laha efa niaraka niangogna ny vahôka amandrivony rahabe, rahabe lôtra kay ka nifagnitsa-kitro ijy ireo, vôlohany indrindra die nanomboka nijaka tamin'ireo mpianatrany Ijy hoe: Tandremo ny masirasiran'ireo Fariseo, ijay fietsaram-belatsihy.2Fa tsy misy takogna ijay tsy hibôke, ary tsy misy mivony ijay tsy ho fantartra. 3Ka na ino na ino nijakainareo tao amin'ny hejigna die ho regny ao amin'ny fahajavana, ary inay nilajainareo teo an-sofigna tao agnaty efitragno die hilajaina egny an-tampon-tragno.4Milaja aminareo aho a nekamako, aja matahotra ireo jay mamono anareo, ary afaran'ijay die tsy misy ajony atao na ino na ino koa. 5Fa hampitandrigna anareo Aho ny amin'ijay hatahorana. Matahora an'le Ray, ijay raha efa avy namono, die managna fahefana ny hagnary anareo agny amin'ny helo. Eka, mijaka amin'areo aho matahotra Anajy.6Tsy amidy farantsa kely roa ve ny tsintsina dimy? Kanefa tsy misy raika amin'ireny ijay hadigno eo amason'Andriamanitra. 7Fa na ny volon-dohanareo andré die vôisa aby. Aja matahotra. Fa manan-danja mihôtran'ny tsintsigna rahabe anareo.8Hoy Aho aminareo, je rehetra magneky Anahy eo agnatrehan'ny olo, ny Janak'olo mandy koa die hagneky anajy eo agnatrehan'ireo anjelin'Andriamanitra, 9fa je mandà Anahy eo agnatrehan'ny olo, die ho lavina eo agnatrehan'ireo anjelin'Andriamanitra. 10Je rehetra mijaka manohitra ny Janak'olo, die habela aminajy ijany, fa je rehetra mijaka ratsy manohitra ny Fagnahy masina koja, die tsy ho vôvela ijany.11Laha efa mitondra anareo eo agnatrehan'ny synagoga, ireo mpanapaka, sy ireo manam-pahefana, ijy ireo, die aja magnahy ny amin'ijay ho fomba fijakanareo ho ferovan-tegnanareo, na ijay hijakainareo, 12satria ny Fagnahy masina no hampianatra anareo ijay tokony hijakainareo amin'ijany lera ijany.''13Avy teo nisy olo raika avy tao amin'ireo vahôka nijaka taminajy hoe: ''Ry mpampianatra, jakay ny rahalahiko ba hijara ny lova aminahy.'' 14Jesôsy nijaka taminajy hoe: ''Ralehilahy, ija no nagnano Anahy ho mpitsara na mpagnelagnelagna anareo?'' 15Hoy Ijy tamin'ijy ireo hoe: Membena ba hitananareo ny tegnanareo lavitry ireo fagnirian-dratsy manontolo, satria ny fiegnan'olo raika die tsy miankigna amin'ny fitobaky ny fanagnany.''16Avy teo Jesôsy nagnano fagnoharana raika tamin'ijy ireo, nagnano hoe: '' amokatrabe ny sahan'ny lelahy mpanakarena raika, 17ary nagnotany tegna ijy, nijaka hoe: 'Ino ny hamboariko, fa tsy managna toerana hagnatsarejana ireo vokatra aho?' 18Hoy ijy hoe: 'Ijao no hamboariko. Halavoko ireo tragno mpisy vokatro die hanangagna lehibe kokoa aho, ary amin'ireo no hagnangonako ny voako sy ireo vokatra hafa. 19Die hijaka amin'ny fagnahiko aho hoe: ''E fagnahy, anao die managna vokatra rahabe vôhatsary hômin'ny taogna rahabe. Mijanogna tsara, minomà, mifalia.'''20Fa Andriamanitra nijaka taminajy hoe: ''Ralelahy môla, niany aligna ny fagnahinao no halaina aminao, ka ireo raha ijay nomagninao, hôn'ija ireo?' 21Ijany ny olo ijay mamory harena hôn'ny tegnany ary tsy manan-karena agnatrehan'Andriamanitra.''22Jesôsy nijaka tamin'ireo mpianatrany hoe: ''Noho ijany die lajaiko aminareo, aja matahotra ny amin'ny aignareo, ijay ho haninareo, na ny momban'ny tegnanareo, je hekanjoinareo.23 Fa ny aigna die mihôtra nohon'ny rahanina, ary ny vatagna die mihôtra nohon'ny fitafena.24Saigno ny goaika, tsy mamafy ijy ireo na mambely. Tsy managna fitoeram-bokatra iny ireo na tragno fagnatsarejana, kanefa amen'Andriamanitra raha ho hanina ijy ireo. Hôtran'ny inona ny fihoaranareo lanja mihôtra noho ireo vorogna! 25Ija aminareo no afaka hagnampy hakiho raika ny andro iegnany amin'ny fanahiana? 26Ka laha ijany raha kely ijany aja tsy hainareo amboarina, nahôna anareo no miahiahy ny amin'ny sisa?.27Saigno ireo lilia, manao akory ny fanireny. Tsy miasa ijy ireo, na mamboly. Kanefa lajaiko aminareo, na Solomona tamin'ny voninahiny manontolo aja tsy nekanjo tahaka ny raika tamin'ijy ireo. 28Laha ampekajoin'Andriamanitra hôtran'ijany ireo ahitra egny an-saha, ijay eo niany, ary ny ampitso die ariena agnaty fatagna, hôtrany ahôna no hampekajôny anareo mihôtra lavitra noho ijany, anareo ry bitika finôna o!29Aja mandremby ijay ho haninareo sy ijay hinominareo, ary aja miahiahy. 30Fa ireo firenena manontolo eto amin'ijao tontolo ijao ireo die mandremby ireo raha ireo, ary fantatry ny Rainareo fa mila an'ireo anareo.31Fa rombejo ny fanjakany, die hamena ho fagnampiny hônareo ireo raha ireo. 32Aja matahotra, ry andian'ondry vitsy, satria ny Rainareo die tena faly ny hagnome anareo ny fanjakana.33Amidio ireo fanagnanareo ary ameo ny mahantra. Magnanôva fitoeram-bola hôn'ny tegnanareo ijay tsy mety ho tonta, harena agny andagnitra ijay tsy mety ho nany, ijay tsy misy mpangalatra magnariny, ary tsy misy kalalao manimba. 34Fa agny amin'ijay hitoeran'ny harenanareo, die ho agny mandy koa ny fonareo.35Ôka ny akanjolavanareo ho hasikignareo ny valahagnareo, ary ôka ny jironareo birehitra tsy tapaka, 36ary manôva tahaka ireo olo ijay mandigny ireo tompony hipody avy lahatagny amin'ny lagnonam-papiekaram-bady, ba laha efa avy ijy ka mandondogna, die afaka hamoha ny varangaragna hônajy avy hatragny ijy ireo.37Sambatra ireo mpanompo, ijay hitan'ny mpanompony fa niambigna laha efa avy ijy. Lajaiko marina aminareo, fa hisikigna ny lamba lavany amin'ny valagny ijy, ary hampitoboka anajy ireo eo an-databatra, ka ho avy ijy ary hanompo anajy ireo. 38Laha ho avy amin'ny lera faharoa amin'ny aligna ny tompo, na amin'ny lera faha telo aja, ka mahita anajy ireo vognona, die ho sambatra ireo mpanompo ireo.39Ho fagnampin'ijany die fantaro ijao, fa laha fantatry ny tompotragno ny lera hevien'ny mpangalatra, die tsy nagnavela ny tragnony hivakina ijy. 40Miomagnà mandy koa, fa tsy ho fantatrareo ny lera hevien'ny Janak'olo.''41Petera nijaka hoe: ''Tompo ô, aminay rerika mandy ve no ijakanao ijany fagnoharana ijany, sa amin'ny olo manontolo mandy koa?'' 42Ny Tompo nijaka hoe: ''Ija ary no mpitantagna mahatoky sy hendry ijay ho tendren'ny tompony hômbonin'ireo mpanompony hafa ba hagnome anajy ireo ny anjara hanin'ijy ireo amin'ny fotôgna mety? 43Tretrika ijany mpanompo ijany, ijay hitany tompony magnano ijany laha efa avy ijy. 44Lajaiko marina aminareo fa hitendreny handidy ny fanagnany manontolo ijy.45Fa laha mijaka ao am-pony ijany mpanompo ijany hoe: 'Nahemotry ny tompoko ny fiveregnany', ka manomboka mamono ireo mpanompo lelahy sy viavy, ary mihinagna sy minogna ka manjary mamo, 46ny tompon'ijany mpanompo ijany die ho avy amin'ny andro tsy ampoijina, ary amin'ny lera tsy fantany, ary hanapatapaka anajy ka hagnomagna toerana hônajy miaraka amin'ireo tsy mahatoky.47Ijany mpanompo ijany, nahalala ny sitrapon'ny tompony, die hifihina amin'ny famihana rahabe. 48Fa ijay tsy nahalala ka nagnano ijay hajahôny fioka koja, die hifihina amin'ny famihana bitike. Fa ireo je namena maro, die ho be kokoa no hitakena aminajy, ary je nangnakinana be, die ho be lavitra aja no hangatahina aminajy.49Avy aho hanipy afo egny ambon'ny tany, ary hôtran'iaja ny fagnireko ny ba hirehetan'ijany sahady. 50Fa managna fanôvam-batisa ba hagnanboarana batisa aho, ary hôtran'iaja ny fahoreko mandra-pahatanteraka anijany!51Misaigna ve anareo fa avy aho ba hitondra fedanana eto an-tany? Tsiare, milaja aminareo aho, fa fisarahana aja. 52Manombok'ijao die hisy dimy ao amin'ny tragno raika ijay hisarasaraka, olo telo manohitra ny roa, ary olo roa manohitra ny telo. 53Hisarasaraka ijy ireo, ny iabany hanohitra ny janagny lelahy, ary ny janaka lahy hanohitra ny iabany; ny iendriny hanohitra ny janagny viavy ary ny janaka vavy hanohitra ny iendriny; ary ny vinanto vavy hanohitra ny rafojam-bavy.''54Nijaka tamin'ireo vahôka koa Jesôsy hoe: ''Laha efa mahita rahogna miforogna egny andrefana anareo, die hoy avy hatragny anareo hoe: 'Hisy erika ho avy', ary die mitranga ijany. 55Raha efa misy rivotra mitsioka lahatagny antsimo, die hoy anareo hoe: ' Hisy hafanana be ho avy', ary mitranga ijany. 56E mpiatsaravelatsihy, hainareo ny mandinika ny toetoetry ny tany sy ny lagnitra, fa ahôna no tsy ahejanareo mamantatra ijao andro ankehitriny ijao?57Nahôna anareo no tsy mitsara je marina hôn'ny tegnanareo? 58Fa laha efa mandeha miaraka amin'ny mpifagnandrigna aminareo eo agnatrehan'ny mpitsara ambony anareo, egny an-dàlagna die miejaha handamigna ny olagna miaraka aminajy ba tsy handihanany hanintogna anareo eo amin'ny mpitsara, ary ba tsy hagnomejan'ny mpitsara anareo agny amin'ny mpamehy anareo agny am-ponja. 59Hoy aho aminareo, tsy ho tafavôka ao mihitsy anareo mandra-pandoavanareo ny vola farany je madinika indrindra.''Chapter 13
1Tamin'ijany andro ijany, nisy olo sasane teo nijaka taminajy ny moba ireo Galiliana ijay ny ràn-dreo no nafangaron'i Pilato tamin'ny sorognane monakana. 2Namaly Jesôsy ka nijaka tamin-dreo hoe: ''Anareo ve mieritreritra fa ireo Galiliana die mpanota mihôtre noho reo Galiliana hafa rehetre satria nijaly hôtran'ijany? 3Tsiare, Iaho mijaka anareo. Fa raha tsy mibebaka anareo, anareo abiaby die ho faty hôtran'ijany.4Na iregny olo valo ambin'ny folo tao Silaoma ijay nidabohan'ny tilikambo ka nahafaty andreo, mieritreritre ve anareo fa tena mpanota ratsy mihôtre noho ireo lelahy hafa tao Jerosalema iregny? 5Tsiare, hoy Iaho. Fa anareo raha tsy mibebaka, anareo abiaby mandy koa die ho fate.''6Jesôsy nagnano ijao fagnoharanaijao hoe: ''Nisy olo nanagna hajon'aviavy raike nambolena teo amin'ny tanim-bôlobokane die tonga ijy die nijaha vônkajo teo aminajy anefa tsy nahita na ino na ino. 7Ra lelahy die nijaka tamin'ny mpagnano jaridaigna hoe: ' Efa, tonga teto iaho nandritre ny telo taogna die niejaka nandrembe voa tamin'toy hajo aviavy toy fany tsy nahita mihintsy. Tapaho io. Nagnino io no avela mametrake ny tany?'8Namale ny mpagnano jaridaiga ka nijaka hoe: 'Apitraho ho eo io aloha amin'ty taogna ty mandra-pangadiako magnodidina anajy sy hagnaseko jejike eo aminajy. 9Raha mamoa ijy amin'ny taogna magnaraka, tsara; fa raha tsy ijany, die tapaho ijy!'''10Ary Jesôsy nampinatre tao amin'ny raike tamin'ny Synagoga nandritre y Sabata.11 Die, nisy viavy raike ijay nanagna ny fanahy ratsin'ny fahalemena nandritre ny valo ambin'ny folo taogna teo, die ijy nivokogna die tsy afake nitsangana mahintsy .12Raha nahita ajy Jesôsy, die nangaike anajy ka nijaka hoe: ''Ra viave, afaka amin'ny fahalemenao anao. 13Napetragne teo aminajy ny tanagne, die niaraka tamin'ijay die nitsangana ra viavy die nihoby an'Andriamanitra.14 Fany ny mpandidy ny Synagoga die vay noho ny fagnafahana namboarin'i Jesôsy tamin'ny Sabata. Nohon'ijany die namaly ny mpandidy die nijaka tamin'ny fokon'olo: ''Misy enin'andro ijay tokone hesana. Mevia ka afake, fa koja tsy amin'ny andro Sabata.''15Ny Tompo namale anaje ka nijaka hoe: ''Ry mpetsaravelatsihy !Moa ve tsy samby mamaha ny briky na ny aombine agnaty valane anareo ka mitondran' ijany hinon-drano amn'ny sabata?16 Die hôtran' ijay koa ty janakavavin'i Abrahama, ijany vôfehin' i satana nandritre ny valo ambin'ny folo tagna ity ,tsy tokone mba hivahana ve ny fene amin'ny andro sabata?''17Die raha nijaka ijany raha abiaby ijany Ijy, megnatre areo abiaby ijay nanohitre Anaje,fa ny fokon,olo ray manotolo die faly nohon'ireo raha abiaby malaja namboarine .18Die Jesôsy nijaka hoe: Hôtran'aija ny fanjakan' Andriamanitre, ary hôtran'ino no afake agnoharako ijany?''19 Ijany die hôtran'ny vôtsinapy ijay nalaina sy nafafin'ny lelahy raike teo an-jaridaigna, ka lasa hajo angejabe raike, die ny vorognan'ny lanitra die nagnambôtre tragnone teo amin'ny ratsagne.''20Mbola nijaka mandy Ijy hoe: ''Ino no afaka hampitoviako ny fanjakan'Andriamanitre ?21 Ijany die hôtran'ny karibonaty jay nalain'ny raviavy raike ka naharone tamin'ny koba in-telon'ny fagnaranagna madra-piparitake aoagnatin'ny koba manotolo.''22Jesôsy die nenga nitety ny tanàna sy ny vohitra tsikiraidraike tegny an-dalagna megnagny Jerosalema die nampianatre andreo . 23Nisy raieke nijaka taminajy hoe:"Tompo, moa ve vitsy ny olo no ho vonjena ?'' Die hoy ijy tamin-dreo hoe: 24''Media ny hiditre ny varagaragna tere anareo, satria, Iaho mijaka aminareo, maro no tehitsofoke, fatsy ho afaka ny hiditra.25Reheva ijay mitsangana ny tompon-tragno die magnapegna ny varangarana, die hijoro ao ivelagne eo anareo ka handondogna ny varangaragna die hijaka hoe:Tompo, Tompo ampidiro ahay.' Ijy hamaly ka hijaka aminareo hoe:' Tsy lalako anareo na ny feveranareo.' 26Die hijaka anareo hoe:' Nihinagna ninogna teo alohanao ahay, die anao efa nampianatra tengy an-adalambenay.' 27fa Ijy die hamaly hoe: 'Mijaka aminareo iaho, tsy lalako ijay fevenareo. Menga eto aminahy, anareo mpagnano ratsy.28Hisy fitagnina sy fiadian'ny nify raha ijao anarareo mahita an'i Abrahama, Isaka, Jakoba, sy ny mpaminavina abiaby ao amin'ny fanjakan'Andriamanitre, fany vôrôke agny ivelagne anareo. 29Andreo die ho tonga avy agny antsignanana, andrefana, avaratre, ary atsimo ka hitoboke eo amin'ny latabatry ny fanjakan'Andriamanitre.30 Fantaro ijao, ireo ijay tsy die manan-danja no ho vôlohane , die ireo ijay tena manan-danja no ho farane.''31Tafara kelin'ijay, nisy Fariseo saragne tonga die nijaka taminajy hoe:'' Mandihana ilôjy ny eto satria Heroda die te hamono Anao.'' 32Jesôsy nijaka hoe:'' Mandihana die jakao ijany amboahaolo ijany hoe: ' ijao, Iaho mandroke devoly sy magnano fagnafahana androany sy ampitso, die amin'ny fahatelo die ho tratriko ny tanjognako.' 33Na ino na ino mitranga, raha- lihibe aminahy ny manohy androany, ampitso, sy ny andro magnarake, satria tsy ajo ekena ny famonoana ny mpaminany lavitre an'i Jerosalema .''34Ry Jerosalema, ry Jerosalema, ijay mamono ny mpaminany sy mitara-bato ireo ijay nirahina tagny aminareo. Impiry iaho no nagniry ny hamory ny janakareo hôtra ny akoho vavy mamory ny janagne ambany elane, fany tsy nagniry ijany anareo. 35Die, nilôjana ny tragnonareo. Iaho die mijaka aminareo, tsy ho hitanareo Iaho mandra-pijakanareo hoe: ''Tretrike jay avy amin'ny agnaran'ny Tompo.''
Chapter 14
1Ary indraika sabata, laha efa nandeha andragnon'ny raika tamin'ireo mpitarika ny fariseo hihinagna mofo Ijy die nagnara-maso Anajy akeke areo. 2Kay, teo alohany nisy lelahy raike ijay nampijalian'ny edema. 3Jesôsy nagnotany ireo manam-pahejana amin'ny lalàn'ny Jiosy sy ireo Fariseo hoe: "Ajo atao ve ny magnasitragna amin'ny andro Sabata, sa tsia?"4Fa areo die nangigna. nohon'ijany die niresin'i Jesôsy ijy, ary nafahane, die nalefany nandeha. 5Hoy ijy tamindreo hoe: "Ija aminareo ijay manan-janaka lahy na aomby tafalatsaka agnaty fangalan-drano amin'ny andro Sabata no tsy tonga die hisintogna anajy?" 6Areo die tsy nisy nahavita nagnome valine an'ireo raha ireo.7Laha efa tsikaritr'i Jesôsy ny fomba fisafidianan'ireo ijay nasaina ny toeram-boninahitra, nagnano fagnoharana ijy, nijaka tamin'dreo hoe: 8"Laha efa asaina amin'ny lagnonam-panambadiana anareo, aja mipetraka eo amin'ny toeram-boninahitra noho anareo.9 Laha efa tonga ilay olo ijay nanasa anareo, die hijaka anareo ijy hoe: 'Omeo an'ity olon-kafa ity ny toeranao,' ary am-pahamegnarana no andehananareo hamonjy ny toerana farany ambane.10Fa laha asaina anareo, mandehana die mipetraha amin'ny toerana farany ambany,amin'ijany laha efa mandalo eo ilay nanasa anao, die mety hijaka anao ijy hoe: 'Ry akama, miakara amin'ny agnambognambo.' Ary avy teo die homem-boninahitra anareo eo anatrehan'ireo ijay rehetra mitambatra latabatra aminareo. 11Fa ireo ijay manandra-tegna die hahetry, ary ijy ijay manetri-tegna die hasandratre."12Jesôsy mandy koa nijaka tamin'ilay lelahy nanasa Anajy hoe: "laha efa magnome sakafo na fanasana anao, die aja manasa ireo akamanao na ireo rahalahinao na ireo marivo anao na ireo mpanakarena magnodidigna anao koa ho takalon'ijany, ary die ho vôvaly anao.13Fa laha efa magnano fanasana anao, asao ny mahantra, ny kilemaina, ny mandringa,ary ny jamba,14 die ho sambatra anao, satria tsy afaka hamaly anao areo. Fa anao die ho vôvaly amin'ny fitsanganan'ny marina."15Laha efa naharegny ireo raha ireo ny raike tamin'ireo raika latabatra tamin'i Jesôsy, die nijaka taminajy ijy hoe: "Sambatra ijay hihinagna ny mofo ao amin'ny fanjakan'Andriamanitra!" 16Fa Jesôsy nijaka taminajy hoe: "Nisy lelahy raika nikarakara sakafo lehibe ary nanasa olo marobe.17 Laha efa vôkarakara ny sakafo, die nagniraka ny mpanompony ijy hijaka an'ireo ijay nasaina hoe: 'Mandrosoa, fa ny raha-manontolo die efa vognona.'18Ijy manontolo die nitovy saigna ary nanomboke nagnano felan-tsigny. Ilay vôlohany nijaka taminajy hoe: 'Nivanga saha iahoa, ka tokony hivôka iaho ary hijaha ijane. Miala tsigny aho.' 19Raike hafa nijaka hoe: 'Nivanga aomby folo iaho, ary andao hamantatra anajy reo. Miala tsigny iaho.' 20Avy teo nisy lelahy raike hafa nijaka hoe: "vô avy nampiaka-bady iaho, ary ijany die tsy afaka ny ho tonga iaho.'21Die tonga ilay mpanompo ary nijaka tamin'ny tompony ireo raha ireo. Avy teo ilay tompon-tragno vignitra ka nijaka tamin'ilay mpanompony hoe: "Mandehana malaky eny amin'ireo lalambe sy mahantra, ny mandringa, ny jamba, ary ny kilemaina.' 22Nijaka ilay mpanompo hoe: " Tompo, efa vita ijay nibekoanao, fa bola misy toerana mandy.'23Hoy ny tompon'ilay mpanompony hoe: "Mandehana egny amin'ireo lalambe sy sisim-boly ary tereo areo ho tonga, amijay ho feno ny tragnoko.24 Fa jakaiko aminareo, tsy hisy hagnandragna ny sakafoko ireo lelahy ijay nasaina."'25Ary vahôka be maro no nandeha niaraka taminaje, ary nitodika Ijy ary nijaka andreo hoe: 26"Laha misy aminareo magnatogna Anahy ary tsy mankahala ny iabany, ny endriny, ny vadiny, ny janagne, ireo rahalahiny sy ireo rahavavine, ary na ny fiaignany aja, die tsy afaka ny ho mpianatrako ijy.27 Na ija na ija tsy milanja ny hajofijaliany ary magnaraka Anahy die tsy afaka na ija na ija tsy milanja ny hajofijaliane ary magnaraka Anahy die tsy afaka ny ho mpianatro.28Fa ija aminareo, ijay magniry ny magniry ny hanangagna tilikambo, no tsy mipetraka aloha ary mikajy ny fandanena raha managna ijay ilaina hamitana anajy ijy?29 Laha tsy ijay, laha efa nametraka ny fototra ijy nefa tsy hahavita anijany aby, die hanomboka handatsa andreo manontolo ijay mahita ijany, 30magnano hoe: 'Io lelahy io no nanomboka nanangagna kanefa tsy nahavita aby.'31Na koa mpanjaka ino, laha handeha hifagnehitra amin'ny mpanjaka hafa amin'ny ady, no tsy hipetraka aloha ary hangala hevitra laha miaraka amin'ny ady, no tsy ipetraka aloha ary hangala hevitra laha miaraka amin'ny lelahy iray aligna die afaka hiady amin'ny mpanjaka hafa ijay tonga manohitra anajy miaraka amin'ny lelahy roa aligna?32 Laha tsy ijany, laha mbola lavitra ny tafika hafa, die mandefa antoko ijy ary mangataka fepetra ho amin'ny fihavanana.33 Ka noho ijany, n'ija n'ija aminareo tsy mahafoy ijay rehetra hagnanany die tsy afaka ny ho mpianatrako ijy.34Tsara ny sira, fa laha very ny tsiron'ilay sira, ahoana no hiveragnany ho masigna indray?35 Tsy misy ilan'ny tany anajy na die ny zejin-tany aja. Arena fotsiny ijany. Ijay managna sofigna ho entina miteno, ôka ijy hiteno."
Chapter 15
1Ary ireo mpamory hetra manontolo sy NY mpanota saragny die avy teo amin'ny Jesôsy ba hiteno Anajy. 2Nifampigonogonogna ireo Fariseo sy ireo mpanora-dalàna, nijaka hoe: "Io lelahy io die mandray mpanota, ary miaraka mihinagna aminajy ireo mihitsy aja."3Jesôsy nagnano ijao fagnoharana ijao tamin'ijy ireo, nijaka hoe: 4"Ija aminareo, laha managna ondry jato ijy ary aviteo very ny raika amin'ijy ireo, no tsy handao ny sivy ambin'ny sivi-folo agny amin'ny tany agnefitra, ary henga handremby ilay raika very mandram-pahitany anajy? 5Ary laha hitany ijany, die atany ansoroka ary mifaly ijy.6Laha efa avy ao andragno ijy, angihany aby ireo akamany sy ireo mpiray vodirindrigna aminajy, mijaka anajy ireo hoe: 'Mifalia miaraka aminahy, fa hitako ilay ondriko very.' 7Hôtran'ijany koa, mijaka ami areo Aho, fa hisy fifalena agny andagnitra nohon'ny mpanota iray ijay mibebaka, mihôtra noho ireo olo-marina sivy ambin'ny sivy folo ijay tsy mila mibebaka.8Na ija no viavy ijay managna farantsa kely folo, laha very ny farantsa iray, no tsy hamelogna jiro, hamafa ny tragno, ary handremby amim-pahavitrihana mandram-pahitany an'ijany? 9Laha efa hitany ijany, die angihiny manontolo ireo akamany sy ireo mpiray vodirindrigna aminajy, ka hijaka hoe: 'Mifalia miaraka aminahy, fa hitako ilay farantsa kely raika ijay very.' 10Hôtran'ijany koa, Iaho milaja aminareo, misy firavôravôna eo agnatrehan'ny anjelin'Andriamanitra amin'ny mpanota raika ijay mibebaka."11Aviteo Jesôsy nijaka hoe: "Nisy lelahy raika nanan-janaka rôlahy, 12ary ny faralahy tamin'ijy ireo nijaka tamin'ny iabany hoe: Baba ô! ameo anahy ny anjara fanagnako ijay tokony ho anahy.' Ka die nijarainy tamin'ijy ireo ny fanagnany.13Tsy ela tafaran'ijay, ilay faralahy nangorogna NY anjarany manontolo ka nandeha tamin'aje firenena raika lavitra teo, ary tagny ijy nandany fahatany ireo fanagnany manontolo tamin'ny fiegnana maditra. 14Ary laha efa naniny manontolo ny abiaby, die nisy mosary lehibe niparitaka tamin'io firenena io, ka nanomboka tao agnatin'ny tsy fahampena ijy.15Nenga ijy ary nikarama tamin' ny raika tamin'ireo mponigna tao amin'io firenena io, ijay nandefa anajy tagny amin'ny sahany ba hamahagna lambo. 16Tehinagna mafy ireo sakafo fihinagnin'ny lambo ijy, satria tsy nisy olo nagnome anajy na ino na ino.17Fa laha efa tonga saigna ilay faralahy, die nijaka ijy hoe: 'Firy amin'ireo manompo an'iabako no managna rahanina mihôtran'ny sahaja, ary toy ahomatin'ny fahatehinana! 18Hilôjako eto ka hoagny amin'ny iabako aho, ary aho hijaka aminajy hoe: "Ray ô, efa nanota tamin'ny lagnitra aho, sy teo imasonao. 19Tsy magneva ny angihina hoe janakao koa aho; atôvy hôtran'ny raika amin'ny mpanomponao aho."20Noho ijany, nenga ilay faralahy ka nandeha tagny amin'ny iabany. Laha bola lavitra ijy, die hitan'iabany, ary tohigna nalahelo, ka nihajakajaka, ary namihigna sy nagnoroka anajy. 21Ilay janagny lahy nijaka hoe: 'Baba ô! efa nagnota teo amin'ny lagnitra sy teo imasonao aho. Tsy magneva ny angehina hoe janakao aho.'22Ilay ibany nijaka tamin'ny mpanompo hoe: 'Indôsy malaky ireo akanjo tsara i drindra, ka ampekajoy anajy, ary asio peratra ny tagnany, sy kapa ny hongony. 23Aviteo indôsy ilay janakao aomby matavy la vonio ijany. Andao antsena hankalaja amin'ny lagnonana! 24Satria ny janako lahy die maty, ary ankehitriny velogna indray. Very ijy, ary ankehitriny die hita indray.' Aviteo die nanomboka nivoria ijy ireo.25Ary ilay lahimatoa die tagny ansaha. Fa laha avy ary nagnantogna ilay tragno ijy, die naharegny hira sy dihy. 26Nangaika ny raika tamin'ireo mpanompo ijy, ary nagnotany anajy hoe mety ho ino ijao raha ijao. 27Ilay mpanompo nijaka taminajy hoe: 'Nody ato andragno ilay rahalahinao ka nivonin'iabanareo ilay janaka aomby matavy, satria avy sômatsara ijy.'28Vignitra ilay lahimatoa, ary tsy nagneky niditra, die nivôka ny iabany, ary nengavy anajy. 29Fa namaly ilay lahimatoa ary nijaka tamin'ny iabany hoe:'Jereo, efa antaognany maro no nanompôko anao, ary bola tsy nandika ny lalànao aho, ary anao tsy bola nagnome na die janak'osy nahafahako nivoria niaraka tamin'ireo akamako aja, 30kanefa laha avy ny janakao lahy, ijay nandretra ny fanagnanao tamin'ny mpivaro-tegna, die nivoninao hônajy ilay janak'aomby nafahy.'31Hoy Iabany taminajy hoe: 'Anaka, anao die miaraka aminahy fehijay, ary inay rehetra anahy die anao. 32Kanefa rariny hôntsena ny mivoria sy mifaly, satria toy jandrilahinao die maty, ary ankehitriny die velogna indraika, very ijy, ary ankehitriny die hita indraika koa.'"Chapter 16
1Ary hoy koa Jesôsy tamin'ny mpianany hoe:" Nisy lelahy mpanan-karena raike, nanagna mpitantagna, ary notanteriny tamin'ajy fa io mpitantana io no nandany ny fanagnany abiaby. 2Koa nampagnatso an'ajy ilay lelahy mpanan-karena ary nijaka tamin'ajy hoe:' Ino ijany regniko momba anao ijany? Magnomeja tatitra momban'ny asa fitantagnanao, fa anao tsy ho afake ny ho mpitandri-pananagna koa.'3Ary ilay mpitandrim-panagnana nijaka tagnaty saigny hoe:" Ino re tokony hamboariko, fa mangala an'ahe amin'ny asa tantagniko ny tompoko? Tsy manan-kery hiasana tany aho, ary megnatre ny hangatake aho. 4Fantatro ny hamboariko, ka laha alaina amin'ny asa fitantagnako aho, die hampandroso an'ahe ao an-dragnon-dreo ny olo5Avy eo ilay mpitan-draharaha nangaike ny kiraidraike tamin-dreo mpitrosan'ny tompone, ary die nagnotany ilay vôlohane ijy hoe: ' hôtrino no anagnan'ny tompoko agny aminao? Nijaka ijy hoe: 'Menaka ôliva jato litatre.' 6Nijaka tamin'ajy ijy hoe: 'Reso ny taratasinao, mitoboha malalaky, ary dimampolo soratana.'7 Ary avy eo ilay mpitantagna nijaka tamin'ny raika hoe:' Hôtrino ny Trosanao? Nijaka ijy hoe: vary jato fagnaranana'. Nijaka tamin'ajy ijy hoe: ' Reso ny taratasinao, ary soraty hoe valopolo.'8Avy eo ilay tompo die nidera ilay mpitantagna tsy marina satria niasa tamin-kafetsena ijy. Fa fetsy loholoho ny janak'ijao tontolo ijao ny amin'ny fifagnarahana amin'ijy samy olo noho ny janakin'ny fahajavana.9 Mijaka aminareo Iaho, mitadiava akama amin'ny alalan'ny vola tsy marina, amin'ijay laha lany ijany, die mety ho resin-dreo ao amin'ny fonegnana mandrakijay anareo.10Ijay mahatoky amin'ny bitika indrindra die mahatoky amin'ny be koa, ary ijay tsy marina amin'ny bitika indrindra die tsy marina amin'ny be koa. 11Laha tsy mahatoky amin'ny fampiasana vola tsy marina anareo, ija no hatoky anareo amin'ny harena marina? 12Laha tsy mahatoky amin'ny fampiasana ny volan'ny olo hafa anareo, ija no hagnome vola ho anareo manokagna?13Tsy misy mpanompo afake manompo tompo roe, fa na ijy hankahala ny raike die ho tia ny raike, na koa ijy hanolo-tegna ho an'ny iraike die hanao tsinotsinogna ilay hafa. Tsy afake manompo an'Andriamanitra sy ny harena ijy14Ary ny Fariseo, ijay tia vola laha naharegne an'ijane raha abiaby ijane, die nagnamavo an'Aje areo. 15Nijaka tamin-dreo Ijy hoe:" Anareo die magnamarina ny tegnanareo eo imason'ny olo, fa Andriamanitra mahalala ny fonareo. Fa ijay hasandratra eo amin'ny olo die hankahalaina eo imason'Andriamanitra.16Ny lalana sy ireo mpaminany die nisy mandra-piavin'i Jaona. Efa hatramin'ijany fotôgna ijany, no efa nitoriana ny filajantsaran'ny fanjakan'Andriamanitra, ary ny kiraidraike die niejake nagnitsy ny lalany ho amin'ijany. 17Fa lalo moramora ny hahafôgna ny lagnitre sy ny tany noho ny soratre bitika indrindra ao amin'ny lalagna ho tonga tsy manan-kery.18Ijay misarake amin'ny vadiny ka magnakatre viave hafa die mijanganjanga, ary ijay magnakatre viave ijay nisara-bady die mijangajanga.19Ary nisy mpanan-karena raike ijay niakanjo voloparasy sy rongony manify ary nankamamy isan'andro ny harem-beny. 20Nisy mpangatake raike ijay antsoina hoe Lazarosy nidoboke teo amin'ny vavahadiny, rakotre bay, 21ary nagniry mba hihinagna ijay latsake avy eo ambony latabatr'ilay lelahy mpanan-karena. Fa ny amboa aja avy sady nilelaka ny bainy.22Ary indro maty ilay mpangatake ka nindôsin'ireo anjely ho eo agnilan'ny Abrahama. Maty mandy koa ilay mpanan-karena ka nalevigna, 23ary tao amin'ny fahaverejana, laha nampijaliana, die nanandratre ny masony ijy ary nahita an'i Abrahama tegny alavitre sy Lazarosy teo anilany.24Koa nihikiake mahare ijy sy nijaka hoe:' Abrahama Iaba, mamindra fo amin'ahe ary alefaso Lazarosy, mba handrobohane ny lohan'ny rantsan-tagnany ao agnaty rano ary hampangatsiatsike ny lelako, fa ato agnatin'ny fangirifiriana mafy agnatin'itoy afo itoy iaho'25Fa Abrahama nijaka hoe:' Anake, tsarovy fa tamin'ny androm-piaignanao die nahajo raha tsara anao, ary ny an'i Lazarosy koja raha ratsy. Fa ankehitrigny ijy aty die vôtambitamby, ary anao ao amin'ny fangirifiriana. 26Ankôtran'ijany abiaby ijany, die nisy hantsagna lehibe napetrake, mba tsy ho afake hiampita ijay te-hiampita avy atoy mandeha egne aminareo, ary tsy misy afake hiampita avy egne handeha etoy aminay'.27Ilay mpanankarena nijaka hoe:'Miangavy anao iaho, ry Abrahama Iaba, mba hagnirahanao an'aje ho agny an-dragnon'Iabako_ 28fa managna rahalahy dimy iaho_ mba ahafahane mampitandrigna an-dreo, nohon'ny tahotre ny hatongavan-dreo aty amin'ity toerana fijaliana atoy mandy koa29Fa Abrahama nijaka hoe:' Managna an'i Mosesy sy ny mpaminany areo; ôka areo hiteno an-dreo.' 30Ary namale ilay lelahy mpanan-karena hoe:' Tsiare, ry Abrahama Iaba, fa laha misy avy amin'ny maty menga agny amin-dreo, die hibebake areo.' Fa31 Abrahama koja nijaka tamin'ajy hoe:' Laha tsy miteno an'i Mosesy sy ireo mpaminany areo, die tsy ho resy lahatre mihitsy na misy olo mitsangagna amin'ny maty aja'Chapter 17
1Jesôsy nijaka tamin'ireo mpianatrany hoe: ''Ajo antoka fa hisy raha afaka hanosika antsena hagnota, fa loja hôn'olo ijay hevien'ijany! 2Tsara hônajy kokoa laha asena vato angejabe eo amin'ny vojogny ka hatsipy agny andronomasina, hôtran'ijay hahatafantohigna ny raika amin'ireo misaigna ireo.3Mitandrema anareo. Laha magnota ny rahalahinareo, jakay maharé ijy, ary laha mibebaka ijy, mamelà anajy.4 Laha magnota aminao impito ao agnatin'ny raik'andro ijy, ka impito miverigna aminao ijy, mijaka hoe: 'Mibebaka aho', die tsy mentsy mamela anajy anao!''5Ireo apostoly nijaka tamin'ny Tompo hoe: ''Ampitomboy ny finônay.'' 6Ny Tompo nijaka hoe: ''Laha managna finôna tahakan'ny vôtsinampy anareo, die afaka mijaka amin'io vôroihajo io hoe: 'Mievota ary maniria agny amin'ny ranomasina,' die hagneky anareo ijy.7Fa ija aminareo no managna mpanompo miasa tany na merakandro ondry, ka hijaka aminajy laha avy lahatagny an-saha ijy hoe: 'Avia malaky ka mitoboha ba hihinagna'?8 Fa tsy hijaka aminajy ve ijy hoe: 'Karakaray raha ho haniko aho, ka asio fehikibo magnodidigna ny ankajonao die manompoa anahy mandrapahananeko ny rahaniko sy fisotrôko. Die avy teo anao mihinagna sy minogna'?9Tsy misoatra le mpanompo ijy satria nagnano ireo ijay nibekôna anajy ijy, sa misaotra ve ijy? 10Na die anareo koa andré, laha efa nahavita ireo raha manontolo ijay nandidiana anareo ianareo, die tokony hijaka hoe: 'Ahay die mpanompo tsy mendrika. Jay tokony namboarinay mandy no namboarinay.'''11Ary laha nenga ho agny Jerosalema Ijy, die nandeha teo amin'ny sisi-tany teo agnelagnelagn'i Samaria sy Galilia.12 Laha efa niditra tao amin'ny tanàna raika ijy, die nisy boka folo lahy nifakatojo taminajy tao. Nitsangagna lavitra Anany ijy ireo,13 ary nanandratra maharé ny feon'ijy ireo, nijaka hoe: ''Jesôsy, Tompo o, mamindrà fo aminay.''14Laha efa nahita anajy ireo Ijy, die nijaka tamindreo hoe: ''Mandihana die ampisehoy amin'ireo mpisorogna ny tegnanareo.'' Laha igny lasa igny ijy ireo die nadio. 15Laha efa nahita ny raika tamin'ijy ireo fa satria ijy, die niverigna, niaraka tamin'ny feo maharé nankalaja an'Andriamanitra. 16Nenkohoka teo amin'ny hongotry Jesôsy ijy, nagnome fisôrana hôn'Ajy. Ijy die Samaritana.17Ary Jesôsy nijaka hoe: ''Tsy efa vôdio ve ijy folo? Fa aja ny sivy? 18Tsy nisy hafa nipody hagnome voninahitra an'Andriamanitra ve, afa-tsy toy vahiny toy?'' 19Ary hoy ijy taminajy: ''Mitsangàna ka mandihana. Ny finônao no nampahafaka anao.''20Laha nagnotanian'ireo Fariseo hoe amin'ny vena ny fanjakan'Andriamanitra no ho avy, die namaly andreo Jesôsy ka nijaka hoe: ''Tsy taja-maso ny fieven'ny fanjakan'Andriamanitra.21 Tsy hijaka koa ijy ireo hoe: 'Jahay, itoy le ijy!' na hoe: 'Irôy le ijy!' Fa koja, ny fanjakan'Andriamanitra die ao agnatinareo.''22Hoy ijy tamin'ireo mpianatra: Avy ny andro nagnirenareo ny hahita ny raika amin'ny andron'ny Janak'olo, fa tsy hahita anijany anareo. 23Ary ijy ireo die hijaka aminareo hoe: 'Jahay erôy! Jahay etoy!' Fa aja mivôka na magnenjika anajy ireo, 24fa hôtran'ny tselatra mamiratra majava laha efa mitaratra laha tagny amin'ny ilany ny lagnitra ka hatragny amin'ny ilany raika, die hôtran'ny jany ny Janak'olo amin'ny fotôgnany.25Fa vôlohany die tsy mentsy hijaly amin'ny raha maro Ijy ary hilavin'ity taranaka ity. 26Hôtran'ijay nitranga tamin'ny andron'i Noa, no hitranga koa amin'ny andron'ny Janak'olo. 27Nihinagna ijy ireo, ninogna, nanambady, natolotra ho ampekarina, mandrapeven'ny andro ijay nidiran'i Noa tao amin'ny sambofiara ary tonga ny safo-drano ka nandringagna anajy manontolo.28Hôtran'ny ijay nitranga tamin'ny andron'i Lota, nihinagna sady ninogna ijy ireo, nividy sy nivarotra, namboly sy nagnano tragno.29 Fa tamin'ny andro ijay nivoahan'i Lota avy tao Sodoma, die afo sy solifara no nilatsaka avy lahatagny andagnitra ka nandringagna anajy manontolo.30Die hôtran'ijany koa ny amin'ny andro nisehôn'ny Janak'olo. 31Amin'ijany andro ijany, aja abela hidigna hangala ireo entagny ho egny ambohon'ny tragno ijay egny amin'ny tampotragno; ary aja avela hipody ijay agny an-saha.32Tadidio ny vadin'i Lota. 33Na ija na ija mitady hamonjy ny aigny die hahavery anajy, fa na ija na ija hahavery ny aigny die hamonjy anajy.34Milaja aminareo Aho, fa amin'ny ijany aligna ijany die hisy olo roa eo ambonifandrena raika. Ny raika die hiresina, ary ny raika die havela. 35Ary hisy rôvavy miaraka manoto vary. Ny raika hiresina ary ny raika habela.'' 36[Fagnamarihana: ireo fandikana taloha tsara indrindra die mangala ny andigniny faha 36 hoe: ''Hisy rôlahy agny an-saha; ny raika hiresina ary ny raika habela.''] 37Nagnotany anajy ijy ireo hoe: ''Aja, Tompo?'' ary Ijy nijaka tamin-dreo hoe: ''ijay hitoeran'ny faty die agny koa no hisy votoro hiara-mivorovoro.''Chapter 18
1Avy teo Ijy nivoria fagnoharana tamin-dreo ny mahakasika ny tokony hivavahan-dreo fehijay, ary tsy ho kivy, 2nijaka hoe: "Tao amin'ny tanàna raike die nisy mpitsara ijay tsy natahotra an'Andriamanitra ary tsy nagnaja olo.3Ary nisy mpitondra-tegna raike tamin'io tanàna io, ary ijy avy amin'ajy ao fehijay, nijaka hoe: "Ampio iaho mba hajahôko rarine eo agnatrehan'ny fahavaloko."4 Fa efa hatramin'ny ela ijy no tsy vognona hagnampy an'aje, fa tafara kelin'ijay die nivoria rerike ijy hoe: "Na die tsy matahotra an'Andriamanitra aja iaho no tsy magnaja olo,5 sady koa satria magnelingeligna an'ahy itoy mpitondra-tegna itoy, die hagnampy an'ajy iaho mba hajahône rarine, mba tsy handrakaka an'ahe amin'ny fivejivejeny matetika atoy koa ijy."6Avy teon'igne nijaka ny Tompo hoe: ''Tenoy ijay jakain'ny mpitsara tsy marina.7 Ary tsy hagnome rarine ijay hôn'ijay vôfidiny ijay mangaika mahare an'Ajy andro aman'aligna koa ve Andriamanitra? Hangataka andro lava amin-dreo ve ijy?8 Jakaiko aminareo fa hagnome rarine tsy ho ela n-dreo ijy. Hôtran'ijay koa, laha avy ny Janak'Olo, hahita finôna etoy an-tany tokôtra ve Ijy?"9Avy teon'igne koa Ijy nivoria ijao fagnoharana ijao tamin'ny saragne ijay natoky ny tegnan-dreo hoe marina sy ijay tsy magnaja ny ireo olon-kafa:10 "Nisy rôlahy niditra tao am-pengonana mba hivavake- ny raike die Fariseo ary ny raike hafa die mpamory hetre.''11Ilay Fariseo nitsangagna ary nivavaka ireto raha ireto raha mahakasika ny tegnany ireto hoe: "Andriamanitra ô, misaotra Anao iaho fa tsy hôtran'ny olo hafa_mpangalatre, olo tsy marina, mpijangajanga_na hôtran'itiky mpamory hetra itiky aja.12 Mifady hanina indroa isan-kerignandro iaho. Magnome ny ampahafolon'ijay ajoko abiaby iaho."13Fa ilay mpamory hetra, nitsangagna tegny alavitre, tsy nahasahy nijery tegny amin'ny lagnitre mihitsy, fa nandon-tratra , nijaka hoe : "Andriamanitra ô, mamindrà fo amin' ahy, mpagnota." 14Mijaka aminareo Iaho, io lelahy io die nody tandragnone vomaraina noho ilay raike, satria ijay abiaby magnambony tegna die hambaniena , fa ijay abiaby magnabany tena no hambonena."15Ny olo koa die nitondra ny janagny madinike tamin' Azy teo , mba hikasihane an-dreo , fa laha nahita ijany ireo mpianatre , die nijaka mahare an-dreo.16 Fa Jesosy nangaika an- dreo hagnatogna an'Aje , nijaka hoe: "abilay ny jaja hagnatogna an'Ahe , ary aza sakagnana areo . Fa hôn' ny hôtran-dreo ny fanjakan' Andriamanitra . 17Jakaiko marina aminareo , n' ija n ' ija tsy mandray ny fanjakan' Andriamanitra hôtran' ny jaja die tsy hiditra eo amin' ijany mihitsy ."18Ary misy mpanapaka raike nagnotagny an' Azy,nagnano hoe: " Mpampianatra tsara ô , ino no tsy mentsy hamboariko handovako ny fiaignana mandrakizay?"19 Jesôsy nijaka tamin' ajy hoe: "Nagnino Iaho no jakainao hoe tsara? Tsy misy olo tsara, ankôtran'Andriamanitra rery mandy.20 Fantatrareo ireo didy _Aja mijangajanga, aja mamono olo, aja mangalatre, aja mitsangagna vavolombelogna mivande, magnajà an'iabanao sy iendrinao.'' 21Nijaka ilay mpanapaka hoe: "Ijany abiaby ijany die efa nitandremako hatramin'iaho mbola tanora."22Laha naharegny ijany Jesôsy, die nijaka tamin'ajy hoe: "raha raike no tsy ampy aminao. Tsy mentsy mivarotra ijay abiaby anagnanao anao ary mijara ijany amin'ny misotry, ary hanagna harena agny an-dagnitra anao_ary avia, magnaraha an'Ahe."23 Fa laha naharegny ireo raha ireo ilay mpanapaka, die nanjary nalahelo lôtra, fa nanan-karena be ijy.24Ary Jesôsy, nahita an'ajy, nanjary malahelo mahare [Fagnamarihana: Ireo manam-pahejana die misara-kevitra laha tokony hampidirina eto ny teny hoe: [Ijy] die nanjary nalahelo mahare. Ampitahay ny And 23] ary nijaka hoe: "Manao akory ny fahasarotan'ny fidirana ao amin'ny fanjakan'Andriamanitra hôn'ireo ijay mpana-karena!25 Fa moranora loholoho hôn'ny rameva ny hiditra amin'ny vodim-panjaitre, hôtran'ny hidiran'olo mpana-karena raike ao amin'ny fanjakan'Andriamanitra."26Ireo ijay naharegny ijany die nijaka hoe: "Ija ary no afaka ho vonena?"27 Jesôsy namaly hoe: "ireo raha ijay tsy hain'olombelogna die hain'Andriamanitra."28Petera nijaka hoe: "Indro, nahafoy ny raha abiaby ijay anay ahay ary nagnaraka Anao.'' 29Ary Jesôsy nijaka tamin-dreo hoe: " Jakaiko marina aminareo, fa tsy misy olo ijay nahafoy tragno, na vady, na rahalahy, na ray aman-dreny, na janake, noho ny fanjakan'Andriamanitra,30 ijay tsy hahajo misimisy loholoho amin'itoy ijao tontolo ijao itoy, ary amin'ny andro ho avy, die fiaignana mandrakijay."31Laha avy nagnangogna ny rômbifolo lahy tamin'Ajy teo Ijy, die hoy ijy tamin-dreo hoe: "Indro, miakatre ho agny Jeroslaema antsena, ka ireo raha abiaby ijay vôsoratr'ireo mpaminany mahakasika ny Janak'olo die ho tomombagna. 32Fa hatolotre eo amin'ireo Jentilisa Ijy, ka hihehejana, sy halaim-baraka, ary handroràna. 33Afaran'ny hamihana an'Aje, die hivonin-dreo IJy ary amin'ny andro fahatelo die hitsangagna inadraika Ijy."34Tsy nahafantatra n'ino n'ino tamin'ireo raha ireo areo, ary navony tamin-dreo ijany jaka ijane, ary tsy ajon-dreo ny raha vôlaja.35Ary laha nagnakeke an'i Jerikô i Jesôsy, die nisy lelehy pôka raike nitoboke teo amoron-dalagna nangatake,36 ary laha naharegny ny fokon'olo nandalo, die nagnontany ijay raha niseho ijy. 37Nijaka tamin'ajy areo hoe nomba teo Jesôsy avy agny Najareta.38Ka nagnaika mahare ilay lelahy pôke, nagnano hoe: "Jesôsy, Janak'i Davida, mamindrà fo amin'ahe. 39Fa ireo ijay nenga nelohaka die nijaka mahare an'ilay lelahy pôke, ka nijaka tamin'ajy mba hangigna. Fa ijy vô meka nangaika mahare hoe: "Ry Janak'i Davida, mamindrà fo amin'ahe."40Jesôsy nijanogna ary nandidy ny mba hitondrana ilay lelahy hômin'ajy eo. Ary laha takeke teo ilay lelahy pôke, die nagnontany an'ajy Jesôsy hoe:41 "Ino no tianao hanboariko hônao? Nijaka ijy hoe: "Tompo, te-hahita iaho."42Jesôsy nijaka tamin'ajy hoe: "Mahita. Ny finônao no nahasitragna anao." 43Teo noho eo die nahita ijy ka nagnaraka an'Aje, nagnome voninahitra an'Andriamanitra. Ny olo abiaby, laha nahita ijane, die nanolotre, fiderana hôn'Andriamanitra.Chapter 19
1Niditra Jesôsy ary nandalo an'i Jeriko. 2Ka nisy lelahy ijay antsoina hoe Zakaiosy teo. Ijy die lehiben'ny mpamory hetra sady nanan-karena.3Niejaka ny hahita ijy hoe ija Jesôsy, ka anefa tsy afaka nahita tao agnaty vahôka, satria fohika ijy. 4Ka nihajakajaka nelohan'ny ireo vahôka ijy ary nagnanika hajon'aviavy raika ba hahita Anajy, satria handalo amin'ijany lalagna ijany Jesôsy.5Laha avy teo amin'ny toerana Jesôsy, die niandrandra Ijy ka nijaka taminajy hoe: ''Ry zakaiosy, mijotsoa malaky, fa niany die tsy mentsy mijanogna ao andragnonao Aho.'' 6Die nidigna malaky ijy ary nandray Anajy tamim-pifalena. 7Laha efa nahita anijany ny manontolo, die nitoreo aby, nijaka hoe: '' Niditra hamangy lelahy ijay mpagnota Ijy''8Nitsangagna Zakaiosy ka nijaka tamin'ny Tompo hoe: ''Jahay, Tompo, ny ansasaky ny fanagnako die ameko hôn'ny mahantra, ary laha ohatra ka nisy raha nagnambakako olo, die hisoloiko in'efatra mandongalika.'' 9Jesôsy nijaka taminajy hoe: ''Niany ny famonjena no avy ato amin'itoy tokatragno itoy, satria ijy koa die janak'i Abrahama.10 Fa ny janak'olo die avy ba handremby sy hamonjy ireo olo ijay very.''11Laha naharegny ijany raha ijany ijy ireo, die nanohy nijaka Ijy ary nagnano fagnoharana raika, satria nariny an'i Jerosalema teo Ijy, ary ijy ireo nihevitra fa hiseho teo ho eo ny fanjakan'Andriamanitra.12 Noho ijany ijy die nijaka hoe: ''Nisy tandapa raika nenga tagny an-tany lavitra ba hahajo fanjakana hôn'ny tagnany ary hipody avy teo.13Nangaika folo lahy tamin'ireo mpanompony ijy, ary nagnome farantsa folo anajy ireo, ary nijaka tamin'ijy ireo hoe: ''Magnanôva raharam-barotra mandram-pipodianako.'' 14Ka anefa ireo vahôka nankahala anajy ary nandefa solo-tegna nagnaraka anajy, nijaka hoe: 'Tsy ilainay ny hanjakan'io lelahy io eto aminay.' 15Ary laha efa nipody koa ijy, avy nandray ny fanjakana, die nandidy ireo mpanompony ijay nameny vola ba ho eo aminajy areo, ba hahafatarany je tombony ajon'ijy ireo tamin'ny fagnanôvana raharaham-barotra.16Avy teo agnatrehany ny vahôka, nijaka hoe: 'Tompo, ny farantsanao die nahajo tombony farantsa folo mihôtra.' 17Nijaka Anajy le tandapa hoe: 'Tsara ijany, ry mpanompo tsara. Noho anao nahatoky tamin'ny kely die kely, die hanampahefana amin'ny tanàna folo anao.'18Avy le faharoa nijaka hoe: 'Ny farantsanao Tompo, die nahavita farantsa dimy.' 19Ary nijaka taminajy le tandapa hoe: Hendrekitra tanàna dimy anao.'20Avy ny raika hafa, nijaka hoe: 'Tompo, itoy ny farantsanao, ijay natsarejiko tsara tao agnaty lamba, 21fa natahotra anao aho, satria lelahy maseka anao. Ka mangala ijay napetrakao, ary mambely ijay tsy nafafinao.'22Nijaka taminajy le tandapa hoe: ''Amin'ny jakanao manokagna no hitsarako anao, anao a mpanompo ratsy fagnahy. Hainao fa aho die lelahy maseka, mangala ijay tsy napetrako, ary mambely ijay tsy nafafiko. 23Ka nahôna no tsy najanognanao tagny amin'ny mpagnatsary vola ny volako, ka laha efa nipondy aho die ho nandray anijany niaraka tamin'ny janagne?'24Le tandapa nijaka tamin'ireo jay nijoro mariny teo hoe: 'Alay taminajy ny farantsa, ary ameo an'le managna farantsa folo.' 25Ary hoy ijy ireo taminy hoe: 'Tompo, managna farantsa folo ijy.'26Aho mijaka aminareo, fa ijay rehetra managna die hamena mihôtra fa je tsy managna, na die ijay anagnany aja die halaina.27 Fa ireo fahavaloko, ireo ijay tsy nagniry anahy hanjaka eo amin'ijy ireo, indôsy atoy ijy ireo ary vonio eto agnatrehako.'''28Laha efa avy nijaka an'ireo raha ireo ijy, die nenga neloha, niakatra ho agny Jerosalema.29Ary laha avy nariny an'i Betifaga sy Betania Ijy, teo amin'ny tendrombohitra atao hoe Oliva, die nagniraka ny roa tamin'ireo mpianatrany Ijy, 30nijaka hoe: ''Mandihana agny amin'ny tanàna magnaraka. Laha efa miditra anareo, die hahita jana-biriky raika bola tsy nidioban'olo mihitsy. Tataho ijany die indôjy atoy Aminahy. 31 Laha misy magnotany anareo hoe: 'Nahôna no tatahanareo io?' die lajay hoe: 'Misy ilàn'ny Tompo anajy.'32Ireo je nirahina die nenga ary nahita ny janabiriky araka ny nilajain'ny Jesôsy tamin'ijy ireo. 33Laha teo ampamahana ny janabiriky Ijy ireo, die hoy ireo tompony tamin-dreo hoe: ''Nahôna no tatahanareo ny janabiriky?'' 34Nijaka ijy ireo hoe: ''Misy ilàn'ny Tompo anajy.'' 35Nindandreo tagny amin'i Jesôsy ijany, ary napetrak'ijy ireo teo ambonin'ny jana-biriky ny lambany ary nametraka an'i Jesôsy teo amboniny. 36Laha nandeha igny Ijy, die napelatrandreo teo amin'ny lalagna ny lamban'ijy ireo.37Ary laha efa nariny an'ny toerana fidignana amin'ny Tendrombohitr'Oliva Ijy, die nanomboka nifaly ireo mpianatrany raha be ary nidera an'Andriamanitra tamin'ny feo maharé nohon'ny asa lehibe manontolo ijay hitan'ijy ireo, 38nijaka hoe: ''Deraina anie ny mpanjaka ijay avy amin'ny agnaran'ny Tompo! Fedanana agny andagnitra ary voninahitra agny amin'ny ambony indrindra!''39Ny Fariseo saragny teo amin'ny vahôka die nilaja taminajy hoe: ''Mpampianatra ô, jakay mahqré ireo mpianatrao.'' 40Namaly Jesôsy ary nijaka hoe: ''Lajaiko aminareo, fa laha mangigna ijy ireo, die hihekieka ny vato.''41Laha efa nagnotany ny tanàna Jesôsy, die nitomagny anajy, 42nijaka hoe: '' Raha ba fantatrao mako amin'ijao andro ijao, eka anao, ireo raha mitondra fedanana hônao! Nefa ankehitriny ireo die mivony amin'ny masonao.43Fa ho avy aminao ireo andro, ijay hananganan'ny fahavalonao fefy magnodidigna anao, ary hanery anao amin'ny lafiny manontolo. 44Ijy ireo die handavo anao sy ny janakao amin'ny tany. Tsy hagnavela na die vato raika hifampideba aja ijy ireo, satria anao tsy nahalala an'ijany bola Andriamanitra niejaka ny hamonjy anao.''45Niditra tao an-tempoly Jesôsy ary nanomboka nandrôka ireo ijay nivarotra, 46nijaka tamindreo hoe: ''Ny tragnoko die namboarina ho tragno fivavaha,' fa anareo koja nagnano anijany ho zohy fierenan'ireo jiolahy.''47Ka die nampianatra isan'andro tao antempoly Jesôsy. Ireo lohan'ny mpisorogna sy mpanoratra lalàna ary ireo mpitarika ny vahôka die die nikasa ny hamono anajy, 48fa tsy nahita hirika hagnanôvana an'ijany ijy ireo, satria najoto niteno anajy ny vahôka manontolo.Chapter 20
1Ary indraike andro, laha nampianatre ny vahôke tao amin'ny tempoly Jesôsy ary nitory ny filazantsara, die nagnatogna an'Ajy ireo lohan'ny mpisorogna sy mpanora-dalana niarake tamin'ireo loholona. 2Nijaka areo, nagnano tamin'ajy hoe;" Lajao anay hoe amin'ny fahefana ino no hanôvanao ireo raha ireo? Na koa ija no nagnome anao ijao fahefana ijao?"3Namaly ijy ary nijaka an-dreo hoe:" Iaho koa die hametrake fagnotaniana aminareo. Jakay an'Ahe ny mikasika 4ny batisan'i Jaona. Moa ve ijany avy agny an-danitra sa avy amin'ny olombelogna?"5Niady hevitre areo, nijaka hoe:" Laha hamale antsena hoe:" Avy any an-danitra" die hijaka Ijy hoe: "Koa nahôna anareo no tsy nino an'aje?" 6Fa laha mijaka antsena hoe:" Avy amin'ny olombelogna," dia hitily vato antsena ny vahôke abiaby, satria areo die resy lahatre fa Jaona die mpaminany."7Noho ijane die namale areo fa tsy fantan-dreo ijay niaviane. 8Jesôsy nijaka tamin-dreo hoe:" Iaho koa tsy hilaja aminareo ijay fahefana hagnanôvako ijao abiaby ijao."9Nijakainy tamin'ny vahôke ijao fagnoharana ijao:" Nisy lelahy raike nagnano tanim-bôloboke, nampagnofa ijany tamin'ny mpamboly vôloboke, ary nandeha tagny amin'ny firenena hafa nadritre ny fotôgna maharitre. 10Tamin'ny lera vôtondro die nandefa mpanompo ijy ho agny amin'ireo mpamboly vôloboke, fa tokony hagnome ajy ny vônkajon'ilay tanim-bôloboka areo. Nilamognin'ny mpamboly anefa ijy, ary nalefany niverigna tagnam-polo.11Avy eo die nandefa mpanompo hafa indraike hafa ijy ary die nilamognin-dreo mandy koa, nalaina baraka, ary nalefan-dreo tagnam-polo. 12Mbola nandefa fagnitelony ijy ary noratrain-dreo koa ijy, ary noroahiny.13Noho ijany die nijaka ny tompon'ilay tanim-bôloboke hoe:" ino no hataoko? Halefako agny ny janaka lahy malalako. Mety mba ho hajain-dreo ijy." 14Fa laha tsinjon-dreo mpamboly vôloboke ijy, dia nifampivoria areo, nijaka hoe:" Io ilay mpandova. Ndao ho vonointsena ijy, mba ho lasantsena ny lova."15Noroahin-dreo niala ny tanim-bôloboke ijy ary novoin-dreo. Ino ary no ho ataon'ny tompon'ilay tanim-bôloboke amin-dreo? 16Ho avy ijy ary hamotike ireo mpamboly vôloboke, ary hagnome ilay tanim-bôloboke ho an'ny hafa." Laha naharegne ijany areo, die nijaka hoe:" Sagnatria amin'Andriamanitra!"17Fa nijaha an-dreo Jesôsy, nijaka hoe:" Ino no hevitr'ilay vôsoratra hoe:" Ny vato nolavin'ireo mpagnano trano no tonga vato fehijoro? 18Ny kiraidraike ijay lavo amin'io vato io die ho torotoro. Fa na ija na ija hidarabohany, die ho potike."19Koa nitady hanambotre an'Ajy tamin'io lera io ireo mpanora-dalana sy ireo mpisorogna, fa fanta-dreo fa nolajainy io fagnoharan'io hanohitra an-dreo. Kanefa natahotre ny vahôke areo. 20Teo am-pandinihina an'Ajy tsara, die nandefa mpitsikilo mody ho marina areo, mba ahafahan-dreo mahita tsigny amin'ny jakany, ka hanolotre an'Ajy eo amin'ny fanapahana sy ny fahefan'ny governora.21Nagnotany an'Ajy areo, nijaka hoe: Mpampianatra ô, fantatray Anao fa mijaka sy mampianatre amim-pahamarinana, ary tsy vôsariky ny hevitr'ija na ija, fa anao die mampianatre ny fahamarinana momban'ny lalan'Andriamanitra. 22Ara-dalàna ho anay ve ny mandoa hetra amin'i Kaisara, sa tsia?''23Fa Jesôsy die nahatakatre ny hafetsen-dreo, ary nijaka tamin-dreo hoe:" 24Mampiboaha denaria raika amin'Ahe. An'ija io sary io sy agnarana eo amin'ajy io?'' Nijaka areo koe:" An'i Kaisara."25Hoy Ijy tamin-dreo hoe:" Noho ijane omeo an'i Kaisara ny raha ijay an'i Kaisara, ary an'Andriamanitra, ireo raha ijay an'Andriamanitra." 26Tsy nahita tsigny tamin'ijay nojakainy teo anatrehan'ny vahôke areo, fa die nitolagaga tamin'ny valin-teniny ka nagigna.27Laha avy teo amin'Ajy ny saragne tamin'ireo Sadoseo, ireo ijay nijaka fa tsy misy ny fitsanganagna amin'ny maty, 28nagnotany an'Ajy areo, nijaka hoe:" Mpampianatra ô, Mosesy die nanoratre ho an-tsena fa raha maty ny rahalahin'ny lelahy raike, manam-bady, ary tsy manan-janake, die tokony hangala vady an'ilay vadin-drahalahiny ilay lelahy, ary hagnome janake ho an'ny rahalahiny.29Nisy mpirahalahy fito ary ny vôlohany nanam-bady, ary maty tsy nanan-janaka, 30ary ny faharoa koa hôtran'ijay.31 Nagnakatre an'ajy ny fahatelo, ary hôtran'ijany aby koa ijy fito samy tsy nanan-janaka, ary maty.32 Tafaran'ijay die maty koa ilay viavy. 33Amin'ny fitsangnagna amin'ny maty, ho vadin'ija ary ijy? Fa samy efa nanambady an'ajy ijy fito."34Jesôsy nijaka tamin-dreo hoe:" Ireo janak'ijao tontolo ijao dia magnaka-bady sy akarina. 35Fa ireo ijay hita amin'ijao andro ijao fa mendrika ny handray ny fitsanganagna amin'ny maty die tsy hagnakatre na akarina.36 Tsy ho faty koa areo, satria mitovy amin'ireo anjely sy ireo janak'Andriamanitra, ijay janaky ny fitsanganagna amin'ny maty.37Fa ny maty die natsangagna, na Mosesy aja dia nagnabôke, teo amin'ilay toerana ijay nisy ny vôndroy, ijay nagnatsoany ny Tompo ho Andriamanitr'i Abrahama sy Andriamanitr'Isaka ary Andriamanitr'i Jakôba.38 Ary ijy die tsy Andriamanitry ny maty, fa ny velogna, satria ny abiaby die velogna ao amin'Ajy39Ny saragne tamin'ireo mpanora-dalàna namaly hoe:" Mpampianatra ô, namaly tsara Anao." 40Satria tsy sahy nametrake fangnotaniana hafa tamin'ajy koa areo.41Jesôsy nijaka an-dreo hoe:" Ahôna no ilajan-dreo fa kristy die janaka lahin'i Davida? 42Fa Davida tegnany no nijaka tao amin'ny bokin'i Silamo hoe: Ny Tompo nijaka tamin'ny Tompoko hoe:" Midoboha eo an-tanana ankavanako, 43mandra-panôvako ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao." 44Noho ijany Davida die nangaike an'i Kristy hoe:" Tompo", Ka ino no maha janak'i Davida an'Ajy?45Teo anatrehan'ny olo abiaby die nijaka tamin-dreo mpianany Ijy hoe:" 46Mitandrema amin'ny mpanora-dalàna, ijay magniry handeha miarake amin'ny akanjo lava, sy tia fiarahabana manokagna egny an-tsena, sy seja vôlohany ao anaty synagoga, ary toerana vôlohany agny amin'ny fanasana. 47Areo koa die mandany ny tragnon'ireo mpitondra-tegna, ary magnano vavaka lavareny ho fisehosehoana, Ny lelahy hôtran'ijany die hahajo fagnamelohana lehibe loholoho."Chapter 21
1Jesôsy nitopy maso ka nahita ireo lelahy manan-karena ijay nandatsake ny fagnatitran-dreo tao amin'ny fandatsahan-drakotre.2 Nahita mpivantotre misotry raike nandatsake farantsa roe tao ijy ity die nandatsake be noho ijy abiaby. 3 Ka hoy ijy hoe: '' Jakaiko marina aminareo, ity mpivantotre misotry ty die nandatsake be nohon'ijy abiaby. 4Ijy abiaby die nagnome fagnatitre araky ny haben'ny harenane. Fa itoy mpivantotre toy, tamin'ny sotrine, die nandatsake ny fivelomane manontolo.''5Raha nisy maro mivoria momba ny tempoly, fa vôhengo vato tsara tarehy sy fagnatitre ijany, die hoy Ijy hoe:6 ''Fa ny amin'ireo raha hitanareo reo mbola ho avy ny andro ijay tsy hisy na vato raike aja hijanogna amin'ny hafa ka tsy ho ravaina.''7Ka magnotany Anajy andreo nagnano hoe: '' Ry mpampianatre amin'ny vena ny raha reo?'' 8Jesôsy namaly hoe: '' Manôvatsara mba tsy ho vôfitake anareo. Fa rahabe no avy amin'ny agnarako, hagnano hoe: 'Iaho no ijy die,' Efa marivo ny fotôgna.' Aja magnarake andreo.9 Laha maheno ady sy fikomiana anareo, die aja mangoaigna, fa ireo raha reo die tsy mentsy hitranga aloha, fa ny farane die tsy hitranga eo noho eo.''10Die hoy Ijy tamin'dreo hoe: ''Ny firenena die hitsangana hanohitre firenena, die fanjakana hanohitre fanjakana. 11Hisy horohoron-tany goavambe, ary mosary sy areti-mandringana agny amin'ny toerana samihafa. Hisy tranga mampangoaigna ary famantarana lehibe avy agny an-dagnitre.12Fa melohan'ireo raha abiaby reo, die hanambotre anareo ao amin'ny synagoga sy ny figadrana, hitondra anareo eo anatrehan'dreo mpanjaka sy areo mpanapake nohon'ny agnarako.13 Ijany die hagnome fahafahana ho amin'ny fijoroanareo vavolombelogna.14Noho ijany die manapa-kevitre ao am-ponareo mba tsy hagnomagna ny fiarovanareo melohan'ny fotôgna,15 fa Iaho hagnome jaka sy fahendrena anareo ijay tsy afake toherina sy andavan'ireo mpanohitre anareo.16Fa anareo koa die ho atolotry ny Iaba amin'endre, ireo ralahy, ireo havana sy ireo akama, die ijy reo die hamono ho faty ny saragne aminareo.17 Ho halan'ny tsirairay noho ny agnarako anarako Ianareo.18 Fa tsy hisy ho very na die singam-bolo raike eo amin'ny lohanareo aja.19 Amin'ny faharetanareo no hamonjenareo ny fagnahinare.20Raha hitanareo vôdidigna miaramila Jerosalema, die fantaro fa efa mariny ny faharavany.21 Die ôka ireo ijay agny Jodia hilefa agny an-tendrombohitre, die ôka ireo ijay agny ampovôn'ny tanàna henga, die aja akena miditre ao ireo ijay agny ambanivolo. 22Fa ireo no andron'ny valifaty, mba ho tanterake ireo raha abiaby efa vôsoratre.23Loza ho an-dreo ijay mitondra vahôke sy ho an'reo mampinono amin'ijay andro ijay! Fa hisy fahoriana lehibe eo amin'ny tany, die havignirana amin'io fokn'olo io.24 Ho lavon'ny sabatre andreo die hi ndôsina ho babo agny amin'ny firenena manontolo, die Jerosalema die ho vôhosihosin'ireo Jentilisa, mandrapaha-tanteraka ny andron'ny Jentilisa.25Hisy famantarana egny amin'ny masoandro, egny amin'ny volagna sy egny amin'ny kintagna, ary eto an-tany. Ho tra-pahoriana ireo firenena, hitaintaigna nohon'ny eron-dranomasina sy ireo onja.26 Hisy lelahy ho toragna ny fahzngoaignana sy ny fiandiasana ny raha ijay ho avy eto an-tany. Fa ho vôhojongojogna ny herin'ny lagnitre.27Avy eo die ho hitan-dreo ny Zanak'olo tonga egny ami'ny rahogna miarake amin'ny hery sy voninahitre lehibe. 28Fa laha manomboke mitranga reo raha reo, die mitsangana ary hasandrato ny lohanareo, satria efa mariny ny fagnafahana anareo.''29Nagnano fagnoharana tamin'dreo Jesôsy hoe: ''Jahao ny hazon'aviavy, sy ny hazo abiaby.30 Rehefa manaroke ireo, die ho hitanareo manokana fa efa mariny ny lohataogna.31 Hôtra ijany mandy koa, rehefa hitanareo mitranga ny raha ireo, die fantatrareo fa efa mariny ny fanjakan'Andriamanitre.32Jakaiko aminareo, marina tegnane, ity taranaka ty die tsy ho faty mandra-pisehon'ny raha ireo. 33Ny lagnitre sy ny tany die ho levogna, fa ny jakako die tsy ho levogna mandrakizay.34Fa manôvatsara amin'ny tegnanareo, mba tsy ho vesaran'ny vokatry ny finomana sy hamamoana ny fonareo sy ny ahiahi'ny fiaignana. Ka avy eo die hikatogna tampoke amina'reo hôtran'ny fandrike ijany andro ijany. 35Fa ijany die ho tonga amin'ny kiraidraike ijay miaigna agneragnan- tany.36Fa mba mahigna amin'ny fotôgna abiaby, mivavaha mba ho ampy hery anareo handresena ireo raha abiaby ijay hibôke, ary hitsanganana eo anatrehan'ny Zanak'olo.37Ka nandritre ny andro die nampianatre tao amin'ny tempoly Ijy, die ny aligna die nandeha nivôke Izy die nijanona teo an- tendrombohitr'Oliva.38 Ny vahôke abiaby die tonga vô mandraim-be mba hiteno Ajy tao amin'ny tempolyChapter 22
1Ary efa antomotre ny Firavoravoana amin'ny Mofo tsy misy lalovaigna, ijay antsovana hoe Paka. 2Niady hevitra ireo lohan'ny mpisorogna ay ireo mpanora-dalagna ny amin'ny fomba afahan-dreo mamono an'i Jesôsy, satria natahotra ny olo areo3Avy eo Satana niditre tamin'i Jodasy Iskariota, ijay raike tamin-dreo roa ambin'ny folo. 4Jodasy nandeha nenga agny amin'ireo lohan'ny mpisorogna sy ireo kapiteny ary niady hevitra tamin-dreo ny amin'ny fomba hamadihany an'i Jesôsy eo amin-dreo5Faly areo, ary nagneke ny hagnome vola an'ajy. 6Nagneky ijy, ary nandrembe kendry tohigna ma hanolorany an'Ajy eo amin-dreo lavitry ny vahôke.7Avy ny andron'ny mofo tsy misy lalovaigna, ijay tsy mentsy hanôvana sorogna ny janak'ondrin'ny Paka. 8Jesôsy nagniraka an'i Petera sy Jaona, nagnano hoe:" Mandihana ary omano ho antsena ny sakafon'ny Paka, mba hahafahantsena mihinagna ijany." 9Ijy ireo nagnotany an'Ajy hoe:" Aja no tianao hanôvanay ny fagnomagnana?"10Namale an-dreo Ijy hoe:" Tenoy, laha miditre ny tanana anareo, die hisy lelahy raike mitondra sinin-drano hifanepake aminareo. Magnaraha an'ajy agny amin'ijay tragno idirany.11 Die Jakay ny tompon-tragno hoe:' Ny mpampianatre milaja aminao hoe:" Aja ny efi-tragno fandresam-bahiny, ijay hihinanako ny hanin'ny Paka miaraka amin'ireo mpianatro?''12Ijy hagnatoro anareo efitragno ambony rihagna lehibe misy fanake. Atôvy ao ny fagnomagnana." 13Koa die nandeha areo, ary nahita ny raha abiaby arake ijay nojakaine tamin-dreo. Ary nagnomana ny hanin'ny Paka areo.14Laha avy ny fotôgna, die nipetrake niarake tamin'ireo apostoly Ijy. Die nijaka tamin-dreo Ijy hoe:" 15Nagniry mafy ny hihinagna itoy Paka itoy miarake aminareo Iaho mialohan'ny hijaliako. 16Fa jakaiko aminareo, tsy hihinagna itoy koa Iaho, mandra-pahatanterak'ijany any amin'ny fanjakan'Andriamanitra17Die nandray kapôke Jesôsy, ary laha nisaotre Ijy, die nagnano hoe:'' Reso itoy, ary jarao aminareo. 18Fa jakaiko aminareo, tsy hisotro ny vokatry ny vôloboka koa Iaho, mandra-pahatongan'ny fanjakan'Andriamanitra19Die nandray ny mofo IJy, ary laha nisaotre, die notapahiny ijany, ary nomene an-dreo,die nijaka hoe:'' Itoy ny vatako ijay omena ho anareo. Atôvy ijao ho fahatsiarovana an'Ahe."20 Noresine hôtran'ijany koa ny kapôke laha vita ny sakafo, die hoy Ijy hoe:" Itoy kapôke itoy die ilay fagnekena vaovao ami'ny rako, ijay narotsaka ho anareo.21Fa mitandrema. Ilay raike ijay hamadike an'Ahe die miaraka amin'Ahe eto an-databatra.22 Fa ny janak'Olo mandeha tokôtre arak'ijay vôtendre. Fa lojan'ijany lelahy ijay hamadika an'Ajy Ijane!23 Nanomboke nifapanontagny areo ny amin'ny raike amin-dreo ijay mete hanao an'ijane.24Die nisy fifandirana nitranga koa teo amin-dreo momba ijay heverina ho lehibe indrindra amin-dreo. 25Nijaka tamin-dreo Ijy hoe: Ireo mpanjakan'ny Jentilisa die tompon-dreo, ary ireo ijay managna fahefana amin-dreo die atao ho hôtrin'ireo ijay magnano tsara ho an'ny vahôkane.26Fa tsy hôtran'ijany mihintsy ny aminareo. mifanohitre amin'ijane, ôka ijay lehibe indrindra aminareo ho lasa hôtrin'ny bitika indridra, ary ôka ijay manan-danja indrindra ho tonga hôtrin'ny manompo. 27Fa ija no lalo lehibe, ijay midoboka amin'ny latabatra, sa ijay manompo? Tsy ijay midoboka eo amin'ny latabatra ve? Kanefa Iaho eto aminareo hôtrin'ny raike ijay manompo28Fa anareo no olo ijay nanohy niaraka tamin'Ahe tao amin'ny fakam-pagnahy nanjo an'Ahe. 29Omeko fanjakana anareo, hôtrin'Iabako koa ijay nagnome fanjakana ho an'Ahe, 30mba ho afake hihinagna sy hinogna eo an-databatro any amin'ny fanjakako anareo, ary hidoboka eo amin'ny seja fiandrianana hitsara ny fokon'ny Isiraely roa ambin'ny folo anareo31Simona, Simona, mitandrema, mandrembe ny hahajo anareo Satana, mba afahany manivagna anareo hôtrin'ny vary.32 Fa nivavaka ho anao Iaho, mba tsy ho faty ny finoanao. Aorian'ny hiverenanao indraike, die ampaherejo ireo rahalahinao.''33Petera nijaka tamin'Aje hoe:" Tompo, vonogna hiarake Aminao iaho na agny andranomejigna na ho agny amin'ny fahafatesana.''34 Jesôsy namaly hoe:" Jakaiko aminao, ry Petera, tsy haharegne ny akoho amin'ijay andro ijay, mialohan'ny handavanao an'Ahe intelo hoe mahafantatre an'Ahe anao."35Die nijaka tamin-dreo Jesôsy hoe: "Laha nandefa anareo tsy niarake tamin'ny fitoeram-bola, kitampom-batsy, na kiraro Aho, nisy raha tsy ampe anareo ve?" Namale areo hoe:" Tsy nisy". 36Die nijaka tamin-dreo Ijy hoe:" Fa iaho, ijay managna fitoeram-bola, ôka ijy hangala an'ijany, na kitapom-batsy mandy koa. Ijay tsy managna sabatra die tokone hivarotre ny lambane ary hivanga raike.37Fa iaho mijaka aminareo, ijay vôsoratre momba an'Ahe die tsy mentsy tanterake:' Ijy die noresine hôtrin'ny raike amin'ireo tsy magnara-dalana.' Fa ijay nojakaina mialoha momba an'Ahe die efa ho tanterake."38 Die nijaka areo hoe:" Tompo, jereo! Itoy misy sabatra roe." Ijy nijaka tamin-dreo hoe: "Ampy ijay.''39Tao afaran'ny sakafo, die nandeha Jesôsy, hôtrin'ny fataony matetike, tagny an-tendrombohitr'Oliva, ary nagnarake an'Aje ireo mpianatre. 40Laha avy areo, die hoy Ijy tamin-dreo:" Mivavaha mba tsy hidiranareo amin'ny fakam-panahy."41Niala teo amin-dreo teo ho eo amin'ny indraike mitora-bato Ijy, die nandohalike Ijy ary nivavake, 42nagnano hoe." Ray ô, laha sitrakao die alay amin'Ahe itoy kapôke itoy. Na ijany aja tsy ny sitrako, fa ny anao no hatao."43Die nisy anjely avy agny an-dagnitre nibôke tamin'Aje, nampahery an'Aje. 44Tao agnatin'ny fangirifiriana, nivavake tamin-kafanam-po mafy loholoho Ijy, ary ny hatsembohany die lasa hôtrin'ny ra nitete tamin'ny tamin'ny tane.45Ary laha nitsangagna avy nivavake Ijy. die nenga agny amin'ny mpianatre, ary nahita an-dreo nandre nohon'ny alahelon-dreo, 46ka nagnotane an-dreo hoe:'' Nahôna no mandre anareo? Mitsangana ary mivavaha, mba tsy hidiranareo amin'ny fakam-pagnahy."47Laha mbola nijaka Ijy, indro, nisy vahôke nibôke, niaraka tamin'ny Jodasy, raike amin-dreo roa ambin'ny folo, nitarika an-dreo. Nagnakeke an'i Jesôsy ijy mba hagnoroka an'Aje, 48fa Jesôsy nijaka tamin'ajy hoe:" Jodasy, mamadika ny Janak'olo amin'ny oroka ve anao?"49Laha nahita ny java-nitranga areo ijay nagnodidigna an'i Jesôsy, die nijaka areo hoe:" Tompo, tokony hamele amin'ny sabatre ve ahay? 50Avy eo ny raike tamin-dreo namele ny mpanompon'ny mpisoronabe, ary nanapake ny sofigne havanagna, 51Jesôsy nijaka hoe:"Ampe ijay!" Nokasihiny ny sofigny, ary nositraniny Ijy52Jesôsy nijaka tamin'ny lohan'ny mpisorogna, tamin'ireo kapitenin'ny tempoly, ary tamin'ireo loholona ijay avy hanohitra an'Aje hoe:" Avy hôtrin'ny hanambotra mpangalatre ve anareo, miarake amin'ny sabatre sy antsy be? 53Tamin'Iaho niaraka taminareo isan'andro tao an-tempoly, tsy nanambotra an'Ahe anareo. Fa ijao no leranareo, sy fahefan'ny menjigna.54Teo am-panamborana an'Aje, die notarihin-dreo Ijy, ary nindôsine tagne an-dragnon'ny mpisoronabe. Fa Petera nagnaraka laha tegny lavidavitre.55 laha avy nampirehitra afo teo agnivon'ny tokontany ary niara-nidoboke areo, die nidoboke teo agnivon-dreo Petera.56Nisy mpanompo vavy raike nahita an'Aje laha nidoboke teo amin'ny fahajavan'ny afo ijy, ary nijaha mahitsy an'aje sy nijaka hoe:" Itoy lelahy koa niaraka tamin'aje". 57Fa Petera nanda an'ijany, nijaka hoe:" Raviavy tsy fantatro Ijy." 58Afaka kelikely die nisy olo hafa nahita an'ajy, ary nijaka hoe:" Anao koa raika amin-dreo.: Fa Petera nijaka hoe:" Ralelahy tsy ijy aho."59Laha afake adiny raike teo ho eo die nisy lelahy hafa nanijingijigna sy nijaka hoe:"Marina fa niaraka tamin'aje koa itoy lelahy itoy fa ijy die Galiliana." 60Fa Petera nijaka hoe:" Ry lelahy, tsy fantatro ijay jakainao." Teo no ho eo, laha mbola nijaka ijy, die nisy akoho nagneno.61Niherika, ny Tompo nijaha an'i Petera, ary Petera nahatsiaro ny jakan'ny Tompo, tamin'ny nijakany tamin'ajy hoe:" Alohan'ny hagnenoan'ny akoho androany die handa an'Ahy intelo anao." 62Nivôka tany ivelagne Petera ary nitomagny mahare.63Ary ireo lelahy niambigna an'i Jesôsy die nagnanihany ary nandamoke an'Aje. 64Nasian-dreo sarogna Ijy ary nagnotane an'Aje areo, nijaka hoe:" nijaka hoe: "Maminania! Ija ilay olo ijay nandraboka anao? 65Nijaka raha hafa maro hanohitre an'i Jesôsy areo, nijaka ratsy an'Aje.66Laha vô najava ny andro, die niara-niangogna ireo loholona, ny lohan'ny mpisorogna sy ny mpanora-dalana. Nindôsin-dreo tagny amin'ny Synedriona Ijy ary 67nijaka hoe: " Laha Anao no Kristy, die Jakay aminay." Fa Ijy nijaka tamin-dreo hoe:" Laha ho jakaiko aminareo, die tsy hino anareo",68 ary hagnotany anareo Iaho, die tsy hamaly anareo.69Fa manomboka ijao, ny Janak'olo die hipetrake eo an-tagnana akavanan'ny herin'Andriamanitra." 70Ijy abiaby nijaka hoe:'' Die Janak'Andriamianitra ijany Anao?" Jesôsy nijaka tamin-dreo hoe:" Vôlajanareo fa Iaho no Ijy." 71Areo nijaka hoe:" Nahôna no mbola mila vavolombelogna antsena? Fa antsena mihitsy no naharegne avy tamin'ny vavany."Chapter 23
1Nitsangagna ny olo manontolo tamin'ijy ireo, ary nitondra an'i Jesôsy teo alohan'ny Pilato. 2Nanomboka niepanga Anajy ijy ireo, nijaka hoe: "Hitanay toy lelahy toy nametaveta ny firenenanay, nandrara ny hagnomejana ny hetra ho an'i Kaisara, ary nilaja fa Ijy tegnany mihitsy no Kristy mpanjaka."3Pilato nagnotany Anajy, nijaka hoe: "Anao ve no mpanjakan'ny Jiosy?" Jesôsy namaly anajy ary nijaka hoe: " Vôlajanao." 4Pilato nijaka tamin'ireo lohan'ny mpisorogna sy ireo vahôka hoe: "Tsy mahita fahadisôna amin'itoy lelahy toy aho." 5Fa bola nagnijingijigna ijy ireo, nijaka hoe: "Magnakorontagna ny vahôka io, mampianatra eran'ny Jodia manontolo, manomboka lahatagny Galilia ka zisik'etoy amin'ny toerana toy egny jao.6Ka laha efa regnin'i Pilato ijany, die nagnotany ijy laha toa ka Galiliana ilay lelahy. 7Laha efa hitany fa tao ambany fahefan'i Heroda Ijy, die nampegainy Jesôsy nandeha amin'i Heroda, ijay tagny Jerosalema mandy koa tamin'ijany andro ijany.8Laha efa hitan'i Heroda Jesôsy, die tena falifaly ijy, satria efa te-hahita Anajy hatry ny ela. Nandregny ny momba Anajy ijy ary nagnantegna hahita fahagagana rahabe namboariny.9 Heroda nagnotany an'i Jesôsy tamin'ny jaka rahabe, fa Jesôsy tsy namaly anajy na ino na ino taminajy. 10Ireo lohan'ny mpisorogna sy mpanora-dalàna nitsangagna, nempanga mafy Anajy.11Heroda sy ireo miaramilany nanevateva an'i Jesôsy sady nagnesoeso Anajy. Aviteo die nampekanjo Anajy akanjo tsara ijy ireo ary nalefandreo niverigna tagny amin'i Pilato Ijy. 12Fa i Heroda sy Pilato die nanjary mpekama tamin'ny andron'io (talohan'ijay die sakay sy maso areo)13Aviteo Pilato nangaika ireo lohan'ny mpisorogna sy ireo mpanapaka ary ireo vahôka rahabe niaraka, 14ary nijaka tamin'ijy ireo hoe: "Nindôsinareo teto aminahy itoy lelahy toy, tahaka ny lelahy ijay mitarika ny olo nagnano ratsy, ary jereo, iaho, laha nagnotany Anajy teo agnatrehanareo, die tsy mahita fahadisôna amin'itoy lelahy toy momba ireo raha ijay nempangana Anajy.15Tsiary, na die Heroda aja, satria nampodiny niverigna tatoy amintsena Ijy, ary jereo, tsy misy na ino na ino ijay mendrika fahafatesana vitany. 16Noho ijany die hifejiko Ijy, ary ho havozotrako Ijy." 17[Fagnamarihana: ireo fandikana tsara indrindra die tsy magnisy ny And 17 hoe: Ary Pilato die vôtery namosotra gadra raike hôn'ireo Jiosy tamin'ny andro firavôravôna.]18Fa niaraka nihiekeka mahare ijy ireo, nagnano hoe: "Indôsy agny io lelahy io, ary avotory hônay i Barnabasy!" 19Barnabasy die lelahy raika ijay naiditra am-ponja nohon'ny fikomena rahabe tao an-tanàna sy famonôna olo.20Ary nijaka tamin'ijy ireo indraika koa i Pilato, nagniry ny hagnafaka an'i Jesôsy. 21Saingy nitabataba mahare ijy ireo, nijaka hoe: "Homboy Ijy, homboy Ijy" 22Nijaka tamin'ijy ireo mpagnitelony ijy hoe: "Nahôna, fa ino ny ratsy vitan'itoy lelahy toy? tsy nahita na ino na ino ijay magneva ho sajy famonôna tao amin'Ajy aho. Noho ijany laha efa avy magnafay Anajy, die hagnavela Anajy aho."23Fa ijy ireo nangijinginjigna tamin'ny feo mahare, nangataka Anajy ba hombohana. Ny feon'ijy ireo die nandresy lahatra an'i Pilato. 24Ka die nanampa-kevitra ny hagneky ny fangatahan'ijy ireo i Pilato. 25Navosotrany ilay raika nangatahin'ijy ireo ijay nalefa tagny am-ponja nohon'ny fikomena sy famonôna olo. Fa nameny hômin'ny sitram-pon'ijy ireo Jesôsy.26Ary teo ampitodrana Anajy ijy ireo, die nitagna an'i Simona avy agny Syrenia, ijay avy agny ambanivolo, ary nabelan'ijy ireo teo aminajy ny hajofijalena ba hindany, nagnaraka an'i Jesôsy.27Rahabe tamin'ireo vahôka, sy ireo viavy ijay nalahelo mafy sy nisaogna Anajy, no nagnaraka Anajy. 28Fa laha niherika tagny amin'ijy ireo, die nijaka Jesôsy hoe: "Ry janaka vavin'ny Jerosalema, aja mitomagny Anahy, fa mitomagnia hôn'ny tegnanareo sy hôn'ny ireo janakareo.29Fa indro ho avy ny andro hijakan'ijy ireo hoe: 'Sambatra ireo momba sy ireo kibo ijay tsy niteraka, ary ny nono ijay tsy nampinono jaja.' 30Ary die nanomboka nijaka amin'ireo tendrombohitra ijy ireo hoe: 'Milavoà aminajy,' ary amin'ny havôna hoe: "Mandrakofà anay." 31Fa laha magnano ijany raha ijany ijy ireo laha bola metso ny hajo, ino ny hitranga raha efa maigna ijany?"32Nisy lelahy hafa, olon-dratsy rolahiteo, nindao niaraka tamin'Ajy ba hivonina.33Laha efa avy teo amin'ny toerana raika ijay antsoina hoe "Ikarandoha" ijy ireo, die teo no nagnembohandreo Anajy, sy ireo olon-dratsy. Ny raike teo amin'ny ankavanany ary ny iray teo amin'ny ankaviany. 34Jesôsy nijaka hoe: "Ray ô, mamelà anajy ireo, fa tsy fantatrijy ireo ijay ataony." Aviteo die niloka ijy ireo, nijarajara ireo fitafenè.35Die nijoro nijaha teo ireo olo raha bola nagnagnihagny Anajy koa ireo mpanapaka, nijaka hoe: "Namonjy ireo hafa ijy. Abilay ijy hamonjy ny tegnany, laha Ijy no Kristin'Andriamanitra, ilay raika vôfidy36Ireo miaramila hiany koa die nagnala baraka Anajy, nagnantogna Anajy, nagnome Anajy vinaingitra, 37ary nijaka hoe: "Laha Anao no mpanjakan'ny Jiosy, vonjeo ny tegnanao." 38Nisy famantarana ihiany koa teo amboniny hoe: "Itoy no mpanjakan'i Jiosy."39Ny raika tamin'ireo olon-dratsy ijay nihantogna teo no namingavinga Anajy tamin'ny nijakany hoe: "Tsy Anao ve no Kristy? Vonjeo ny tegnanao sy ijahay." 40Fa ny raika nijaka mahare, nagnano hoe: "Tsy ba matahotra an'Andriamanitra ve anao, raha samy ambanin'ny fagnamelohana mitovy mandy? 41Antsena die eto araky ny rariny tokôtre , satria mandray ijay mendrika ny ansantsena antsena. Fa itoy lelahy itoy tsy nagnano raha ratsy."42Aviteo ijy nijaka hoe: "Jesôsy ô, tadidio aho laha avy agny amin'ny fanjakanao Anao." 43Jesôsy nijaka taminajy hoe: "Lajaiko marina aminao, fa niany anao die hiaraka Aminahy agny amin'ny Paradisa."44Ary ora faha-enina teo ho eo tamin'ijany, ary ny hejigna avy nandrakotra ny tany manontolo hatramin'ny ora fahasivy 45laha nihamejigna ny hajavan'ny masoandro. Aviteo ny lamban'ny tempoly die nijara avy teo agnivo.46Nihiekeka tamin'ny feo maharé, Jesôsy nijaka hoe: "Ray ô! eo antagnanao no agnavilako ny fagnahiko." Laha efa avy nijaka anijany, die maty Ijy. 47Laha hitan'ny kapiteny ny raha nitranga, die nagnome voninahitra an'Andriamanitra ijy, nijaka hoe: "Ajo antoka tokoa fa olo marina itoy lelahy itoy."48Laha efa hitan'ireo vahôka manontolo ijay niaraka avy ho vavolombelogna hagnatri-maso ireo raha nitranga ireo, die nimondy nitehi-tratra ijy ireo. 49Fa ireo rehetra ijay nahafantatra Anajy, sy ireo viavy ijay nagnaraka Anajy avy agny Galilia, die nitsangagna tegny alavidavitra, nijery anijany raha ijany.50Ary indro, nisy lelahy raika angihina hoe Josefa, ijay mpikambagna tao amin'ny Synedriona. Olo tsara sady marina ijy. 51Io lelahy io die tsy nagneky ny fanapaha-kevitry ny Synedriona sy ny asan'ijy ireo. Avy lahatagny amin'ny tanànan'ny Jodiana tagny Armatia ijy; ary ijy die nandremby ny fanjakan'Andriamanitra.52Io lelahy io, laha nagnantogna an'i Pilato, die na gataka ny vatagnan'i Jesôsy. 53Nalainy nidigna ijany, nirakofany hariry madinika, ary nabelany tao agnaty fasagna raika ijany nivakina tamin'ny vantolampy, ijay tsy bola misy olo nalevigna mihitsy.54Androny fiomagnana tamin'ny ijany, ary bola najava ratsy ny sabata. 55Ireo viavy, ijay niaraka tamin'i Jesôsy niala tao Galilia, die nagnaraka avy tao afara ary nahita ny fasagna sy ny fomba nametrahana ny fatiny. 56Nimpody areo, ary nagnomagna raha magnitra sy menaka magnitra. Ary tami 'ny Sabata die nijanogna ijy ireo araka ny didy.Chapter 24
1Vô mandraigna tamin'ny andro vôlohan'ny herinandro, die nandeha any amin'ny fasagna areo, nitondra ireo raha-magnitra ijay nokarakarain'dreo.2 Hitan'dreo nikodiadia lavitry ny fasagna ilay vato.3 Niditra tao areo, kanefa tsy nahita ny vatagnan'ny Tompo Jesôsy.4Ary, laha bola sahiran-saigna moban'ijany areo, tampoka teo, die nisy lehilahy rolahiteo nambôtra fitafena mangirangiragna nitsangagna teo agnilan-dreo. 5Ary laha feno tahotra saroke viavy die niankohoke tamin'ny tany, nijaka tamin'ny viavy abiaby io areo hoe:" Nahôna anareo mandremby ny velogna atoy amin'ny mate?6Tsy ato ijy, fa efa nitsangagna! Tadidio ny nilajainy anareo tamin'ijy bola tagne Galilia,7nagnambara fa ny janak'olo die tsy mentsy hatolotra ho eo an-tagnan'ny olo mpanota ka hofantsihina eo hajo fijalena, ary amin'ny andro fahatelo die hitsangagna indraike."8Ireo viavy die nahatsiaro ny raha nijakaine,9 ka niverigna avy tagny amin'ny fasagna ary nilaja io raha rehetra io tamin-dreo iraika ambin'ny folo sy ny ambiny aby. 10Ary Mary Magdalena, Johanna, Mary endrin'i Jakoba, ary ireo viave hafa niarake tamin'aje die nitatitra an'ijay raha ijay tamin-dreo apostoly11Fa ijane hafatre ijany die hôtran'ny tsy nisy dikany tamin-dreo apostoly, ka tsy nino an-dreo viave areo. 12Kanefa nitsangagna Petera, die nihajakajaka nandeha amin'ny fasagna, ary niondrika sy nijery tao, die nahita lambam-pate nitokagna. Ary Petera nody tagny an-dragnone, nagnotany tegna amin'ijay java-nitranga.13Io, ny rolahiteo tamin-dreo nandeha tamin'io andro io ho agne amin'ny tanàna atao hoe Emaosy, ijay enimpolo stadio kilômetatre miala an'ny Jerosalema. 14Areo die nivoria momban'ny raha rehetra ijay nitranga.15Ary, laha niara-nivoria sy niara-nametra-pagnotanena areo, die magnan tonga sy nandeha niaraka tamin-dreo Jesôsy. 16Fa ny mason-dreo die nisakanana ba tsy hahafantatre anaje.17Jesôsy nijaka tamin-dreo hoe: " Ino no vorianinareo roa atoy am-pandihanana?" Die nijanogna areo sady nalahelo endrike. 18Ny raiky tamin-dreo nangihana hoe Kleopasy, namaly an'ajy hoe: " Anao rerika ve ny olo tao Jerosalema tsy nahafantatre ny java-nitranga tagny tamin'ijany andro ijane?19Jesosy nijaka tamin-dreo hoe: "Raha ino?" Areo namaly anajy hoe: " Ny raha mahakasika an'i Jesosy avy agny Nazareta, ijay mpaminagny, nahery tamin'ny asa sy ny jaka rehetra teo alohan'Andriamanitra sy ny olo rehetra, 20ary ny fomba nanolorany ny lohan'ny mpisorogna sy ny mpanapaka Anaje ba hihelohina ho maty sy ny nagnomboana an'Ajy teo.21Kanefa ahay nagnantegna fa ijy no hagnafaka an'Israely. Eke, ary ankotran'ijany rehetra ijane, telo andro niany ijao no nitrangan'ijany javatra ijane.22Nefa koa, ny viave sasagny tamin'ny akamanay die nahavariegna anay, ijay tagny amin'ny fasagna bola mandraigna. 23Laha efa tsy nahita ny vatagny areo, die tame, nijaka fa areo koa die nahita fahitana anjely ijay nilaja fa velogna ijy. 24Ny lelahy sasagny ijay niaraka taminay die nenga tagny amin'ny fasagna, ary nahita an'ijany araka an'ijay vôlajan-dreo viave.25Jesôsy nijaka tamin-dreo hoe: "Ry lelahy môla sy votsa saigna vô mino ireo rehetra vôlajan'ny mpaminagny! 26Moa ve tsy nilaina ho an'i Kristy ny nijaly tamin'ireny raha ireny, ka hiditra agny amin'ny voninahine?" 27Ary nanomboka tamin'i Mosesy ka hatram'ireo mpaminagny rehetra, die nadikan'i Jesôsy tamin-dreo ao amin'ny Soratra Masina ny momba ny tegnany.28Laha narivo ny tanàna ijay nalehany areo, die naneho fihetsika hôtran'ny hoe handeha lavidavitra Jesôsy. 29Fa nanery an-dreo, nijaka hoe: " Nijanogna eto aminay, f'efa ho hariva ijao ary efa hifaragna ny andro." Ka niditra ba hijanogna niaraka tamin-dreo Jesôsy.30Ary, rehefa nitoboka ba hiaraka hihinagna tamin-dreo ijy, die nangala ny mofo,nisaotra an'ijane, sy namaky an'ijane, ary nagnome an'ijany an-dreo. 31Avy eo nisokatra ny mason-dreo, ka hahafantatra anaje, ary nanjavogna ta'mason-dreo ijy. 32Areo nifampijaka hoe: " Moa ve ny fon-tsena tsy niredareda tao agnatin-tsena, raha nijaka tamin-tsena tan-dalagna ijy, raha nanokatra ny soratra Masina tamin-tsena ijy?"33Nitsangagna areo tamin'io ora io, ka niverigna tagny Jerosalema. Nahita an'reo iraika ambin'ny folo niara-nivory areo, sy ireo ijay niaraka tamin-dreo, 34nijaka hoe: "Ny Tompo die nitsangagna tokôtre, ary niseho tamin'i Simona." 35Ka nijakain-dreo ijay javatra nitranga tegny an-dalagna, sy ny fomba nisehôn'ny Jesôsy tamin-dreo tamin'ny fanapahana ilay mofo.36Raha nijaka ijany javatra ijany areo, die nijoro ta'gnivon-dreo Jesôsy tegnane, ary nijaka tamin-dreo hoe: " Fiadanana anie hô'nareo." 37 Saingy taitra sy raiki-tahotra areo ary miheritra fa nahita fagnahy.38Jesôsy nijaka tamin-dreo hoe: " Nahôna anareo no matahotre? Nahôna no misy fagnotanena ao am-ponareo? 39Jereo ny tagnako sy ny hongotro, fa aho tegnako itoy. Kasiho aho ka jereo. Fa ny fagnahy tsy managna nofo sy tôlagna, araka ny ahitanareo Anahy hoe managna." 40Rehefa nijaka ijany ijy, die nasehony tamin-dreo ny tagnany sy ny hongone.41Bola tsy nino an'jany areo nohon'ny hafaliena, ary gaga areo. Jesôsy nijaka an-dreo hoe: " Managna hohanina ve anareo?" 42Nomen-dreo trondro vôtono ijy, 43ka nalainy ijany ary nohaniny teo agnivon-dreo.44Ijy tegnany tamin-dreo hoe: " Tamin'i Aho niaraka taminareo, die nilaja taminareo fa ijay rehetra vôsoratre tamin'ny lalàn'i Mosesy sy ny mpaminagny an-dreo Salamo die tsy mentsy ho tanteraka."45Ary nosokafany ny sain-dreo, ba hajahôn-dreo ny soratra Masina. 46Nijaka an-dreo ijy hoe: " Ijao no vôsoratre, fa ilay Kristy die hijale, ary hitsangagna amin'ny maty indraika amin'ny andro fahatelo. 47Fibebahana sy famelan-keloka no tokony ho torena amin'ny agnarany agny amin'ny firenena rehetra, manomboke ao Jerosalema.48Anareo no vavolombelon'ireny javatra ireny. Itoy, 49halefako aminareo ijay nampagnantenain'ny Raiko. Kanefa mipitraha an-tanàna mandra-pitafenareo ny hery avy agny ambone."50Ary Jesôsy nitarika tamin-dreo mandra-pahatongan-dreo tagne Betania. Nasandrane ny tagnane, ary notahin-dreo. 51Ary, rehefa nitso-drano an-dreo ijy, die nandao an-dreo ijy ary lasa nakarina tagne an-dagnitre.52Die nidera Anajy areo, ary niverigna tagny Jerosalema tamin'ny fifalena lehibe. 53Nitohy nengao amin'ny tempoly areo, nankalaja an'Andriamanitre.Acts
Chapter 1
1Ny boky nosoratako teo aloha, ry Teofilo, die nagnambara ny abiaby ijay natombok'i Jesôsy sy ny nampianarine, 2hatramin'ny andro nampekarana anaje, avy eo die nandidy ireo Apostoly ijay nofidiny tamin'ny alalan'ny Fanahy Masina. 3Tafaran'ny nijaliane, die nampiseho ny tegnane velogna tamin-dreo Ijy niarake tamin'ny porofo mandresy lahatre rahabe. Nibôke tamin-dreo Ijy nandritre ny andra efapolo die nivoria momba ny fanjakan'Andriamanitre.4Raha nihaogna niarake taman-dre Ijy, die nandidy an-dreo tsy henga ao Jerosalema, fa handigny ny fampagnatenana Iaba momba, nilôjane hoe: ''Naharegny taminahy anareo 5fa nagnano batisa tamin'ny rano tokôtre i Jaona, fa anareo die tokone hatao batisa amin'ny Fanahy Masina ao agnatin'ny andro vitsy.''6Laha tafavory niarake andreo die nagnadigna Anajy an-dreo hoe: ''Tompo, Ijao ve ny fotôgna hameregnanao ny fanjakana ho an'Israely?7 Hoy Ijy tamin-dreo hoe: ''Tsy anareo no hahafantatre ny fotôgna na ireo datin'andro ijay notendren'ny Baba tamin'ny fahefane manokana.8 Fa laha tonga koja ny Fanahy Masina die hahajo hery anareo, ka ho lasa vavolombeloko erakan'ny Jerosalema sy Jodia iray manontolo ary Samaria, sy hatragny am-paran-tany.''9Laha nijaka ijany raha ijany i Jesôsy Tompo, die nendrandra an-dreo, nakarina Ijy, die ny rahogna nanakona Anajy teo amason-dreo.10 Raha mbola nijaha ny lagnotre igny an-dreo tamin'ny nandehanany, tampoke teo nisy rôlahy nenkanjo fotsy nitsangana teo agnilan-dreo.11 Nijaka an-dreo hoe: ''Ry lelahy laha tagny Galilia, magnino anareo no mitsangana eto mijaha ny lagnitre? Igny Jesôsy nalaina taminareo ijay nampekarina agny an-dagnitre, igny die hivergna hôtran'ny nahitanareo anajy niakatre agny an-dagnitre teo igny.12Avy eo an-dreo die nipody tagny Jerosalema avy tao amin'ny tendrombohitr'Oliva, ijay eo mariny an'ny Jerosalema, mitovy amin'ny dian'ny andro Sabata raike. 13Raha tonga an-dreo, die niaketre tao amin'ny efitre ambony rihagna, ijay nipetrahan-dreo. Andreo die i Petera, Jaona, Jakoba, Andrea, Filipo, Tomasy, Bartolomeo, Matio, Jakoba zanak'i Alifeo, Simona Zelota, ary Jodasy zanak'i Jakoba. 14Niompagna ho raike areo abiaby, die najoto nivavake. Anisan'ijay reo vehivavy, Maria endrin'i Jesôsy, sy ireo rahalahine.15Tamin'ny ijay andro ijay i Petera die nitsangana tao ampovôn'ireo rahalahine, eo amin'ny olo 120 eo, die nijaka hoe:16 ''Ry rahalahy, tena nilaina ny fahantaterahan'ny Soratra Masina, ijay nambaran'ny Fanahy Masina meloha tamin'ny vavan'i Davida momba an'i Jodasy, ijay nitondra ireo olo nanambotre an'i Jesôsy.''17Fa anisan'ny raike amintsena ijy die nahajo ny anjarane tamin'ijao fanompoana ijao.''18 (Ankehitriny io lelahy io die nivanga saha tamin'ny vola ajone tamin'ny faharatsiana ijy, die lavo nenkohoke teo ijy, ka nisokatre sy nipôke ny vatagne, die niborake aby ny tsinaine. 19Ireo olo abiaby Jerosalema die naharegny momba ijany, die nagnatso io saha io tamin'ny fijakan-dreo hoe: ''Akeldama,'' ijany hoe: ''Sahan-dRà.'')20Fa efa vôsoratre ao amin'ny Bokin'ny Salamo hoe: ''Apetrahy ho sosotre ny sahane, die aja akena ndre die olo raike aja hipetrake ao'; 'Apitrahy ho resin'ny olo-hafa ny andraikitrane.''21Noho ijany, die ilaina, ny raike amin'ireo lelahy niarake tamintsena nandritran'ny fotôgna abiaby nidiran'i Jesôsy Tompo sy ny nivoahane teto amintsena, 22hatramin'ny batisan'i Jaona ka hatramin'ny andro nekarane teo amintsena, die tsy mentsy vavolombelogna miarake amintsena amin'ny fitsanganany.'' 23Die nametrake rôlahy an-dreo, die i Josefa nangihina hoe Barsabasy na koa atao hoe Josto, ary Matia.24Nivavake an-dreo die nijaka hoe: ''Anao, ry Tompo, no mahafantatre ny fon'olo abiaby, ka jakao ijay hofidinao amin'ajy rôlahy 25mba hangala ny pilasy ato amin'ijao fanompoana ijao sy ny maha Apostoly nohon'ny fandikan-dalàna ijay namboarin'i Jodasy handeha ho agny amin'ny pilasy manokana. 26Ijy ireo die niloka ho anajy ireo, die nilatsake tamin'i Matia ny filokana, die vôisa ho Apostoly raike ambin'ny folo ijy.
Chapter 2
1Laha avy ny andron'ny Pantekônty, nivory tamin'ny toerana raike ijy abiaby. 2Vetivety teo avy agny an-dagnitre nisy feo hôtran' ny rivotre nitsoka nahare, ary nahenike ny tragno manotolo ijay nisy an-dreo ijane. 3Nisy afo hôtran'ny lela rahabe ijay nijarajara, ary nitoboke tambonin-dreo kiraidraike aby. 4Izy abiaby die henike ny Fanahy Masina ary nanomboka nijaka tamin'ny fijakana samby hafa, araky ny nomen'ny Fanahy Masina hijakàn-dreo .5Ary nisy Jiosy izay nonigna tao Jerosalema, olon' Andriamanitra, avy amin'ny firenena abiaby ambanin' ny lagnitre. 6Laha naharegny ijany feo ijane, die avy niaraka ireo fokon'olo sady sahiran-tsaigna satria ny kiraidraike die samby naharegny an-dreo nijaka tamin'ny fijakàny aby. 7Areo die varegna sady jendagna; nijaka hoe: "Marina, fa tsy ireo abiaby nijaka ireo ve no Galileanina?8Nagnino no maharegny an-dreo antsena, amin'ny fijakantsena kiraidraike aby ijay naha lehibe antsena? 9Partianina sy Medianina ary Elemita, ary ireo ijay monigna agny Jodia sy Kapadokia, any Ponto sy Asia, 10Frygia sy Pamfylia, any Egypta ary Libya hatragne amin'ny Kyrena, ary ireo mpamangy avy agny Roma, 11Jiosy sy Priselyta, Kreatana sy Arabo, die rengnitsena mivoria amin'ny fijakàntsena mahakasika ny asa makadiry amboarin' Andriamanitra."12Areo die jendagna ary sahiran-tsaigna; ary nifampivoria areo hoe: "Ino no dikan'ijane?"13 Fa ireo saragne nagneso sady nijaka hoe: "Areo die mamon'ny dovay vaovao."14Fa i Petera nitsangagna tamin'ijy raik'ambifolo, nampikatra ny feone, ary nivoria tamin-dreo hoe: "Ry lelahin'i Jodea sy anareo abiaby monigna eto Jerosalema, ôka ho fantatrareo ijao, tandremo ireo jakako. 15Hôn'ireo olo tsy mamo araka ijay eritreretinareo, fa vô amin'ny telo ora ijao.16Fa ijao no nijakaina tamin'i Joela mpaminany:17 'Amin'ny andro farane,' Andriamanitra mijaka hoe: "Hatrotrako amin'olo abiaby ny Fagnahiko. Ireo janakareo lelahy sy janakareo viavy die haminany, ny tovolahinareo die hahita fahitana, ary ny rangahinareo hagnonofy nofy.18Hôtran'ijany koa ny amin'ireo mpanompoko lelahy sy ny mpanompoko viave amin'ireo andro ireo. Hatrotrako ny Fagnahiko, ary areo die haminany. 19Ijao die hagnatoro raha-mahajendagna egne amin'ny lagnitra ambone sy famantarana egne amin'ny tany ambane, rà, afo, ary ento-setroke.20Ny masoandro die hanjary hejigna ary ny volgna hanjary rà, melohan'ny andro makadiry sy miavake hevian'ny Tompo.21 Ary ny olo abiaby ijay mangaike ny agnaran'Andriamanitra die ho vôvonjy.22Ry olon'Israely, tenoy ijao jaka ijao: Jesôsy avy agny Najareta, ilay olo nagnatorôna anareo tamin'ny alalan'Andriamanitra mba ho marina amin'ireo asa makadiry, ireo fahajendagnana, ary ireo famantarana ijay namboarin'Andriamanitra tamin'ajy teo agnivonareo, araka ny fantatrin'ny tegnanareo.23 Io lelahy io die natolotry ny drafitr'Andriamanitra ijay efa nivognonina meloha sy ny fahalalane, ary ny tagnan'ny mpandika lalàna sy anareo, namono an'ajy tamin'ny famantsihana an'aje teo amin'ny hajo fijalena.24 Fa Andriamanitra nanangagna an'Aje, nagnafaka an'Aje tamin'ireo fanaintaignan'ny fahafatesana, satria sarotra hôn'Aje ny nienga tamin'ijane.25Fa i Davida mivoria mahakasika an'ajy hoe, ''Nahita ny Tompo talohako teo fehijay iaho, fa eto an-tagna-kavanako Ijy ka tsy tokone hangojohojo iaho. 26Die tena fale ny foko ary niravoravo ny lelako. Ary mandy koa, ny nofoko hivelogna amin'ny fakatokisana.27Fa tsy nilôjanao ho agny amin'ny Fiaignan-tsy hita ny fagnahiko ary tsy hagnavela ny Iraike Masinao ho lo anao. 28Nampahafantatra an'ahe ireo lalagnan'ny fiegnana Anao; Anao die hagnenike fifalena an'ahe amin'ny endrikao.'29Ry rahalahy, afaka mivoria aminareo am-pitokisana mahakasika an'i Davida Patriarika iaho: efa maty ijy no nalevigna, ary ny koborine die eto amintsena mandrak'androany.30 Noho ijane, mpaminay ijy ary fantane fa efa nifanta tamin'ajy Andriamanitra, fa ny taranakane no ho eo amin'ny seja fendrianane.31 Efa hitane ijane die nivoria mahakasika ny fitsanganan'i Kristy tamin'ny fahafatesana sady ijy tsy navela tao amin'ny fiaignan-tsy hita, no tsy nambôtra ny nfone ho tratran'ny fahalovana.32Io Jesôsy io-Andriamanitra no nanangagna an'Aje, ka vavolombelogn'ijane ahay abiaby. 33Noho ijane laha nampekarin'ny tagnan'ankavanan'Andriamanitra Ijy die nandray ny Fanahy Masina nampagnantenaina avy tamin'Iaba, efa natrotrakane ijane, ijay hitanareo sy regninareo.34Fa i Davida die tsy niakatre tagny an-dagnitre, fa ijy nijaka hoe: 'Ny Tompo nivoria tamin'ny Tompoko, "mitoboha eto an-tagnako ankavanako,35 mandra-panôvako ny fahavalonao ho fitobohan-tongotrao."36 Noho ijane, ôka ho fantatry ny abiaby indrindra ny tragnon'Israely fa Andriamanitra no nambôtra an'Ajy ho Tompo sy Kristy, ilay Jesôsy ijay nifantsihanareo."37Ary laha naharegny ijany areo, vôtsindrogna ny fon-dreo, ary nijaka tamin'i Petera sy ireo apôstôly sisa hoe: "Rahalahy, ino no tokone hamboarinay? 38Avy teo Petera nijaka tamin-dreo hoe: ''Mibebaha manôva batisa, anareo kiraidraika aby, amin'ny agnaran'i Jesôsy Kristy ho famelana ny fahotanareo, sy handresanareo ny fagnomejan'ny Fanahy Masina. 39Fa ny fampagnantenana die hônareo sy ny janakareo ary ireo abiaby ijay lavitre, ka ho rahabe ireo olo ijay hangehin'ny Tompo Andriamanintsena."40Niaraka tamin'ny jaka rahabe hafa no nijorône ho vavolomelogna sy nandrisihane an-dreo; nijaka ijy hoe, ''vonjeo ny tegnanareo amin'itoy taranaka ratsy fagnahy itoy." 41Ary areo die nandray ny jakane ka natao batisa, ary tokone fagnahin'olo teo amin'ny telo arivo teo ho eo no nampena tamin'io andro io. 42Nanohy sy naharitre ny asa fitorena sy ny fampenaran'ny apôstôly areo, teo amin'ny fanapahana ny mofo sy ny fivavahana.43Avy tao amin'ny fagnahin'ny kiraidraike tahotre, ary fahajendagnana sy famantarana rahabe no vita tamin'ny alalan'ny apôstôly. 44Ireo abiaby nino die niangogna ary nanagna raha nifanahake,45 ary areo die nivarotra ny tanine sy ny fanagnane ka nijara ijane tamin'ijy abiaby, arak'ijay niromejiny aby.46Ary isan'andro isan'andro die nitohy nanompo tamin'ny fomba fijery mifanahake tao am-pengonana areo, sy nanapaka ny mofo tao an-dragno, ary nijara hanina tampifalena sy fo henike fagnetrehan-tegna; 47Nidera an'Andriamanitra ary nahajo fankasitrahana tamin'olo abiaby, Isan'andro ny Tompo die nagnampy ny isan'ireo ijay vôvonjy.
Chapter 3
1Ary Petera sy Jaona niakatra tegny amin'ny fengonana tamin'ny leran'ny fivavahana, ny lera fahasivy.2 Die nisy lelahy raike naleme efa hatagny ampiterahana nindôsina isanandro tegny amin'ny vavahady tsara endrike ny fengonana, mba hangataka fagnomejana ara-bola agny amin'ny olo ijay mandeha agny amin'ny fengonana.3 Laha nahita an'i Petera sy i Jaona ijay handeha hiditre ny fengonana, die nangataka fagnomejana ara-bola tamin'dreo ijy.4Nimbanjigna ny masony niarake tamin'i Jaona sy Petera die nijaka hoe: "Jahao ahay". 5Ny lelahy maleme nijaha an'dreo, nagnategna ny handray raha avy agny aminaje areo. 6Nefa Petera nijaka hoe: "Volafotsy sy volamena no tsy anagnako, nefa ijay anagnako die hameko anao. Amin'ny agnaran'ny Jesôsy Kristy avy agny Nazareta, mandihana,"7Nandray anaje tamin'ny tagnany havanana, i petera nanangagna anaje, tonga die natanjake, tongotr'i lelahy sy ny kitrokeline. 8Nitsôtike, ny lelahy malemy die nitsangagna ka nanomboka nandeha; ary niaraka niditra tamin'i Petera sy i Jaona tao am-pengonana ijy, nandeha, nitsôtike, ary nidera an'Andriamanitra.9Ny olo manontolo die nahita anajy nandeha sy nidera an'Andriamanitra. 10Tsikari-dreo fa ijy ny lelahy nangataka fagnampena ara-bola tamin'ny olo teo amin'ny vavahady tsaran'ny fengonana; die jendagna sy talanjogna areo nohon'ny raha nitranga taminaje.11Ary noho ijy mitagna an'ny Petera sy Jaona, ny olo manontolo die nirontogna nandeha amin'dreo tegne amin'ny felofana ijay nangihina hoe felofan'ny Solomona ny olo manontolo, die tena talanjogna. 12Laha nahita ijany Petera die namaly ny olo hoe: "Anareo ry vahôkan'Israely, nagnino no talanjogna ianareo? nagnino ny masonareo no mandinika anay, hôtran'ny hoe herinay na fahamasinanay manokagna no nampandeha anajy?13Ny Andriamanitry Abrahama, sy an'Isaka, ary an'i Jakoba, ny Andriamanitrin'ny raintsena, nagnome voninahitra Jesosy mpanompone. Ijy ny natolotrareo sy nandananareo teo alohan'i Pilato, tamin'ijy nanapa-kevitra ny handefa anaje. 14Nandananareo ny raike ijay Masina sy Marina, die naleonareo nangataka ny mpanompo olo mba ho alefa hônareo.15Nivinanareo ny mpanorigna ny fiaignana, ijay natsangan'Andriamanitra tamin'ny maty, die vavolombelogn'ijany ahay. 16Ankehitriny, nohon'ny finôna amin'ny agnarany ny lelahy ijay hitanareo sy fantatrareo. Igny agnarana igny mandy no nahantonga anajy hahere. Ny finôna avy amin'i Jesôsy no nagnome ijao fahafahana feno ijao hôn'aje eto agnatrehanareo manontolo.17Ankehitriny, ry rahalahy, fantatro fa nagnano ijany anareo nohon'ny tsy fahalalanareo, hôtran'ny nataon'ny mpitondra anareo mandy koa.18 Fa io raha ijay vôlajan'Andriamanitra meloha tamin'ny vavan'ny mpaminagny manontolo, hoe tokony hijaly ny kristine, fa efa tanteragne ankehitriny.19Mibebaha, noho ijany, die miveregna, mba ho vôvono ny fahotanareo, mba hoavy ny fotôgna mahavelombelogna eo anatrehan'ny Tompo; 20ary mba handefa an'i Kristy ijay vôtondro hônao, die i Jesôsy,21Ijy ny tsy mentsy ho raisin'ny Lanitra ambaram-peven'ny lera fameregnana amin'ny laoniny ny raha aby daholo, momba an'ijay nojahan'Andriamanitra taloha tamin'ny vavan'ny mpaminany masina.22 Nijaka tokôtre i Mosesy hoe: 'Ny Tompo Andriamanitra die hanangagna mpaminagny hôtranahe avy amin'ny rahalahinareo. Anareo hiteno ny raha aby daholo ijay hijaka aminareo.23 Hitranga ny hoe ny olo aby daholo ijay tsy miteno ijany mpaminagny ijany die ho ringagnina tanterake tsy ho ao amin'olo.'24Eka, die ny mpaminagny manontolo nanomboka teo amin'ny Samoela sy ijay avy tafarane, die nijaka mahare sy nagnambara ny andro io. 25Anareo no jakain'ny mpaminagny sy ny fanekena ijay nataon'Andriamanitra tamin'ny rajambe, araka ny nojakaine tamin'i Abrahama hoe: Ao amin'ny taranakao die ho tahina ny fianakaviana manontolo eran-tany.' 26Tafaran'ny nanangan'Andriamanitra ny mpanompone, die nandefa anaje hônareo aloha ijy, mba hitahy anareo amin'ny felanareo amin'ny faharatsena."Chapter 4
1Laha niresaka tamin'ireo vahôka i Petera sy Jaona, die avy ireo lehiben'ny mpisorogna sy ny lehiben'ny mpiambignan'ny tempoly ary ireo Sadoseo. 2Vignitra be ijy ireo nohon'i Petera sy Jaona nampianatra ny vahôka sy nitory ny fitsanganana amin'ny maty tamin'ny alalan'i Jesosy. 3Nisamborina ijy ireo ary nalefa tagny amponja mandrampevien'ny marina, satria efa aligna ny andro tamin'ijany. 4K'anefa die rahabe tamin'ireo vahôka ijay naharegny ny hafatra no nino; ary ny isan'ireo lelahy je nino die dimy arivo teo ho eo.5Ny ampitsonigne die niangogna tao Jerosalema ny mpanapak'ijy ireo, jok'olo sy ireo mpanoratra lalàna. 6Teo i Anasy mpisorogna-be, Kaiafa, Jaona, sy Aleksandro sy je rehetra havan'ireo mpisorombe. 7Fa laha naroso teo agnivo i Petera sy Jaona, die nagnotany anajy ireo hoe: ''Amin'ny hery ino, na amin'ny agnarana ino, no agnanôvanareo anijany?''8Aviteo Petera, feno ny Fagnahy Masigna, die nijaka anajy ireo hoe: ''Anao ry mpanapakan'ny vahôke, sy ny loholona, 9laha nagnotanena momban'ny asa tsara namboarinay tamin'io lelahy narary io ahay tamin'io andro io, tamin'ny fomba ahôna no nahasitragna an'io lelahy io?10 Die ôka ho fantatrareo manontolo sy ny vahôkan'Israely manontolo, fa tamin'ny agnaran'i Jesôsy Kristy avy lahatagny Nazareta, ijay nohombohanareo, le natsangagn'Andriamanitra tamin'ny maty, tamin'ny alalany no ijorôn'itoy lelahy toy salama eto amasonareo.''11Jesôsy Kristy die vato jay nataonareo mpagnorigna tragno tsinotsinona k'anefa efa natao ho lohan'ny vato fehijoro. 12Ary tsy misy famonjena avy lahatamin'ny hafa, fa tsy misy agnarana hafa ambanin'ny lagnitra namen'ny olo ijay tsy mentsy hahavonjy antsena.13Ary laha efa nahita ny fahasahen'i Petera sy Jaona ijy ireo, ary nahatsapa fa olo-tsotre, olo tsy nandia fenarana, die gaga ijy ireo, nahafantatra fa niaraka tamin'i Jesôsy i Petera sy Jaona. 14Satria ijy ireo nahita le lelahy ijay nitsara niaraka tamin'ijy ireo, ka tsy nahita hijakaina hanoherana anijany ijy ireo.15Fa raha efa avy nandidy ireo apostoly handao ny fivoren'ny filan-hevitra ijy reo, die nifampiresaka ijy ireo. 16Hoy areo hoe: ''Ino ny tokony hatao amin'ireto lelahy ireto? Nohon'ny fahajindagnana vita tamin'ny alalan'ijy ireo die fantatr'olo manontolo mipetraka eto Jerosalema, ary tsy ajontsena lavina. 17Fa ba tsy hiparitahan'ijany amin'ny vahôka koja, die andao antsena ba nampitandrigna anajy ireo ba tsy hijakandreo anijany agnarana ijany koa. 18Nangihany hiditra i Petera sy Jaona ary nijakaindreo tsy hijaka sy tsy hampianatra amin'ny agnaran'i Jesôsy koa.19K'anafa namaly anajy ireo koja i Petera sy Jaona ka nijaka hoe: ''Laha marina eo amason'Andriamanitra anareo sy magneke mihôtra Anajy anareo, die anareo no mitsara.20 Tsy afaka ny hibela tsy hijaka ny mahakasika ireo raha hitanay sy regninay ahay.''21Tafaran'ny fampitandremana an'i Petera sy Jaona, die nabelany nandeha ijy ireo. Fa tsy nahita tomba hagnasajena anajy ireo areo, satria nankalaja an'Andriamanitra ireo vahôke nohon'ny raha vitane. 22Le lelahy jay niaigna ny fahajindagnana sy fagnasitragnana die nihôtran'ny efapolo taogna.23Tafarany nagnafahana anajy ireo, die avy teo amin'ny vahôka i Petera sy Jaona ary nitateriny tamin'ajy ireo je rehetra nijakain'ny mpisorogna sy ireo loholona tamin'ijy ireo. 24Laha efa regnin'ijy ireo ijany die niara-nanandram-peo hôn'Andriamanitra ijy ireo ka nijaka hoe: ''Tompo, anao no nagnano ny lagnitra sy ny tany sy ny ranomasina, ary je rehetra ao amin'ijany. 25Nijaka tamin'ny alalan'ny Fagnahy Masigna tamin'ny vavan'ny mpanomponao, ny ibantsena Davida Ianao hoe: 'Nohôna no vignitra ireo firenena Jentilisa, sy ireo olo mieritreritre raha tsy misy ilavana anajy?26Anareo nijaka hoe: ''Ireo mpanjakan'ny tany die efa nitambatra, ary ireo mpanampaka die nivondrogna hanohitra ny Tompo, sy hanohitra ny Kristiny.'27Fa efa i Heroda sy Pontsy Pilato, ijay niaraka tamin'ireo jentilisa sy ireo vahôkan'Israely, no niaraka niangogna tao antanàna hanohitra an'i Jesôsy mpanomponareo, ijay nisorognanareo. 28Niaraka nivory ijy manontolo ba hagnano je rehetra namboarin'ny tagnanareo sy drafitrareo ijay efa nitampahin'ijy ireo hatao meloha.29Ankehitriny, Tompo, jahay ireo fampitandreman'ijy ireo ary ameo ireo mpanomponao ba hijakany ny jakanao amin-kahasahena tanterake. 30Ampary ny tagnanao ba hagnafake, ary hagnome ireo famantarana sy fahajindagnana amin'ny alalan'i Jesôsy mpanomponao masigna.'' 31Laha efa avy nivavaka ijy ireo, die nihojongojogna ny pilasy ijay nerahan'ijy ireo nivory, ary feno ny Fagnahy Masigna ijy manontolo ary nilaja ny jakan'Andriamanitra an-kasahena.32Ny ankabeajan'ireo nino die fo sy fagnahy raike. Tsy nisy nijaka fa ny raha je ajony die anajy rery manokagna, fa raha nerahan'ijy ireo nanagna. 33Niaraka tamina hery lehibe no nagnambaran'ny apostoly ny fijorôn'ijy ireo vavolombelogna mahakasika ny fitsanganan'i Jesôsy Tompo tamin'ny maty, ary fahasoavana lehibe no teo amin'ijy manontolo.34Tsy nisy olo nanagna raha nampijaly teo amin'ijy ireo, fa je rehetra nanagna tany sy tragno die namidy ary nitondra ny volan'ny raha manontolo ijay lafo. 35ary najanogna teo an-tongotr'ireo apostoly, ary nijaraina tamin'ny olo kiraidraike arak'ijay ilain'ijy ireo.36Josefa, Levita raike, Lelahy avy agny Sipra ijay nantsoin'ireo apostoly hoe Barnabasy (ijay midika hoe Janaka lahin'ny fampaherejana), 37nivarotra tany sy nitondra vola ary nagnavela anajy teo an-tongotr'ireo apostoly.Chapter 5
1Fa nisy lelahy raike angihana hoe Ananiasy, niaraka tamin'i Safira vadiny, nivarotra anjara tany, 2ary nitanany ny ansasagny tamin'ireo vola vidiny (ny vadiny hiany koa die nahafantatra ijany), ary nitondra ny ampahany hafa tamin'ijany ary nagnavela anajy teo an-tongotr'ireo apostoly.3Fa Petera nijaka hoe: ''Ananiasy, nahôna no nifenôn'i Satana vandy ny fonao hivandy amin'ny Fagnahy Masigna, sy hitagna ny ampahany amin'ny vidinin'le tany? 4Laha bola tsy lafo ijany, tsy nijanogna ho fanagnanao manokagna ve ijany, ary laha efa lafo ijany, tsy teo amin'ny fahefanao ve ijany? Ahôna no nieritreretanao anijany tao amin'ny fonao? Tsy nivandy tamin'olo anao, fa tamin'Andriamanitra.'' 5Laha avy naharegny an'ireo jaka ireo die lavo tamin'ny tany Ananiasy ka afaka ny aigny, ary tahotra lehibe no avy tamin'ireo je naharegny anijany. 6Ary ireo matanjake die nagnantogna ka namogno lamba anajy, ka nindôsin'ijy ireo nivôka ijy ary nalevigna.7Tafaran'ny lera telo teo ho eo, die niditra ny vadiny, bola tsy nahalala je nitranga.8 Petera nijaka taminajy hoe: ''Jakay aminahy laha ijany no namarotanareo ny tany.'' Die hoy ijy: ''Eka, noho ijany.''9Aviteo i Petera nijaka anajy hoe: ''Nahôna anareo no nagneky hiaraka hitsapa ny Fagnahin'ny Tompo? Ito, ireo tongotr'ireo olo jay nandevigna ny vadinareo die eo ambarangaragna, ary hamôka anao ijy ireo. 10Ary lavo teo no ho eo tamin'ny tongony ijy ary afaka ny aigny. Laha efa niditra tao ireo lelahy matanjaka, die nahita anajy maty, ka nitondra anajy nivôka sy nandevigna anajy teo agnilan'ny vadiny. 11Reki-tahotra ny fengonana manontolo sy ireo ijay naharegny anijany raha ijany.12Famantarana sy fahagagana rahabe no niseho tamin'ireo vahôka tamin'ny alalan'ireo tagnan'ireo apostoly. Niaraka tamin'ny felofan'i Salomona ijy ireo. 13Fa tsy nisy olo hafa nanagna fahasahena hiaraka amin'ijy ireo; k'anafa, ny vahôka die nanandratra fankasitrahana ambony hônajy ireo.14Ary vôha mêla nihamaro ireo mpino ijay nagnampy isa ny Tompo, andian-delahy sy viave, 15ka nindôsin'ijy ireo tegny andalagna hatramin'ny marary ary nampatoren'ijy ireo tambony fandrena sy farafara, ka ba laha efa mandalo i Petera, die mety ba hagnaloka ny sasagny amin'ijy ireo ny alokany. 16Teo mandy koa die rahabe ny vahôka niaraka avy ao amin'ny tanàna magnodidigna an'ny Jerosalema, nitondra ny marary sy ireo je nampijalin'ny fagnahy maloto, ary die nahafaka ijy manontolo.17Fa nitsangagna ny mpisorognabe sy ireo ijay niaraka taminajy (ijay sekta an'ireo Sadoseo); ary die feno felognana ijy ireo 18ary nanambotra ankeriny ireo apostoly, ary nampiditra anajy ireo tagny andragno mejigna.19Ary nandritry ny aligna die nisy anjelin'ny Tompo namoha ny varangaragny ny fonja ary namôka anajy reo tao, sy nijaka hoe: 20''Mandihana, mitsangana ao amin'ny tempoly ary mijaka amin'olo ireo jaka manontolon'itoy fiegnana toy.'' 21Laha efa naharegny anijany ijy ireo die niditra tao amin'ny tempoly laha vantany vômandraigna ny andro ka nampianatra. Fa avy ireo mpisorognabe sy ireo je niaraka taminajy, ary nangaika ny filan-kevitra manontolo, ireo loholo manontolon'ny vahôkan'Israely, ary nalefa tagny am-ponja ba hamôka ireo apostoly.22Fa laha avy ny mpiabigna die tsy nahita anajy ireo tao am-ponja, ka nipody ijy ireo ka nitatitra hoe: 23''Nahita ny tragno menjigna nihidy tsara ahay, ary ny mpiambigna die nijoro tsara niambigna teo am-baravaragna, fa laha efa ni vohanay ijany, tsy nahita olo tao agnatiny ahay.''24Ary laha efa naharegny anijany ny lehiben'ny mpiambigna ny tempoly sy ireo mpisorognabe, die very hevitra tanteraka ijy ireo mahakasika ny raha mety hitranga. 25Fa nisy olo avy ary nijaka tamin'ijy ireo hoe: ''Ireo lelahy ijay nampidirinareo tao andragnomejigna die nitsangangna ao amin'ny tempoly ary mampianatra ny vahôka.''26Ary lasa ny lehiben'ny mpiambigna niaraka tamin'ireo mpiandry raharaha, ary nitondra anajy ireo niverigna, fa tsy tamin'ny herisetra, satria natahotra ny vahôka ijy ireo sao die hitiliny vato.27 Laha efa nitory nitondra anajy ireo ijy ireo, die nandefa anajy ireo teo agnatrehan'ny filan-kevitra. Nagnadihady anajy ireo ny mpisorognabe, 28nijaka hoe: ''Nisakananay mafy anareo ba tsy hampianatra an'io agnarana io, k'anefa, nifenônareo ny fampenaranareo i Jerosalema, ary tienareo ho tompon'andraikitra amin'ny ràn'io lelahy io ahay.''29Fa i Petera sy ireo apostoly namaly hoe: ''Ahay die tokony hagneky an'Andriamanitra nohon'ny olo. 30Ny Andriamanitrin'ny rajagnay nanagangna an'i Jesôsy, ijay nivoninareo tamin'ny fanampajana Anaje teo amin'ny hajo. 31Andriamanitra nanandratra Anajy teo amin'ny tagnana ankavanane ba ho Tompo sy Mpamonjy, ba hagnome fibebahana hôn'Israely, sy famelana ny heloka. 32Ahay die vavolombelogna ny amin'ijany raha ijany, ary hiany koa ny Fagnahy Masingna, ijay namen'Andriamanitra hôn'jay magneke Anaje.33Laha naharegny an'ijany ireo tao amin'ny filan-kevitra, die vignitra ijy ireo ary nandremby hamono ireo apostoly. 34Fa nisy Fariseo raike nangehina hoe Gamaliela, mpampianatra lalàna, ijay nihajain'olo manontolo, nitsangagna ary nandidy ireo apostoly ba halaina avôke kely agny ivelany.35Ary ijy nijaka tamin'ijy ireo hoe: ''Lelahy Israely, tandremo tsara ny amin'ny raha je hamboarinareo miaraka amin'ireo olo ireo. 36Fa tagny aloha tagny, Teodasy nilaja ny tegnany ho javatra, ary vondron'olo, tokony ho efa-jato no nagnaraka anajy. Nivonina ijy, ary ireo rehetra nagnaraka anajy die nibo ary nanjary tsinotsino. 37Aviteo io lelahy io, Jodasy avy agny Galilia die nitsangagna tamin'ny andron'ny fagnisana ary nagnentagna olo rahabe hagnaraka anaje. Ijy mandy koa die nivonina, ary ireo manontolo je nagneky anajy die nibo hiany koa.38Ary amijao fotôgna jao, die lajaiko aminareo, magnalavira an'ireo lelahy ireo ary abilay ho rerike ijy ireo, fa laha avy amin'olo io drafitra na io asa io, die ho fôgna ijany.39 Fa laha avy amin'Andriamanitra koja, die tsy ho ajonareo foagnana ireo; mety ho hitanareo andré fa miady amin'Andriamanitra anareo.'' Die resy lahatra ijy ireo.40Ary niantso an'ireo apostoly hiditra ijy ireo ary namioke sy namôrisè anajy ireo tsy hijaka amin'ny agnaran'i Jesosy, ary nagnavela anajy ireo henga. 41Ijy ireo die nandao ny filankevitra tamimpifalena satria magneva ny hitondra fahafaham-baraka hôn'le agnarana. 42Tafaran'ijay, isan'andro, tsy nijanogna nampianatra sy nitory an'i Jesosy ho Kristy ijy ireo, teo ankiajan'ny tempoly sy tamin'ny tragno rahabe.
Chapter 6
1Ary tamin'ijany andro ijane, laha nihanitombo ny isan'ireo mpianatre, die nanomboke nisy fitaraignana nataon'ireo Jiosy mijaka Grika hanoherana ireo Hebreo, satria nataon-dreo tsinontsinona ireo mpitondra-tegnany tamin'ny fijarana sakafo isan'andro.2Ny roa ambin'ny folo die nagnatso ireo mpianatra abiaby ho agny amin-dreo sady nijaka hoe:" Tsy mety ho antsena laha mandao ny tenin'Andriamanitra mba hikarakara ireo latabatra. 3Noho ijany anareo die tokony mifidy, ry rahalahy, fito aminareo lelahy tsara laja, feno fagnahy sy fahendrena, mba ho tendrenay hikarakara ijane raharaha ijane.4 Laha aminay die hanohy hatrany amin'ny fivavahana sy amin'ny fampianarana ny teny ahay5Nahafinaritra ny olo aby ny jaka nataon-dreo. Ka nifidy an'i Stefana areo, lelahy feno finoana sy Fanahy Masina, ary i Filipo, Prokoro, Nikanora, Timona, Parmena ary Nikoleo, proselyta avy agny Antiokia. 6Ireo mpino die nitondra ireo lelahy teo anatrehan'ny Apostoly, ijay nivavaka sy nametraka ny tagnany tamin-dreo.7Ka niparitaka hatrany ny tenin'Andriamanitra, ary ny isan'ny mpianatra tao Jerosalema die nihanitombo be, ary mpisorona rahabe koja lasa mpankatoa ny finoana.8Ary Stefana, feno fahasoavana sy hery, die nagnano fahagagana sy famantarana lehibe teo amin'ny vahôke. 9Fa nisy vahôke saragne nitsangana ijay an'ny synagoga ijay atao hoe ny Synagogan'ny Libertina, sy an'ny Kyreniana sy Aleksandriana, ary ny Saragne avy agny Kilikia sy Azia. Ireo olo ireo die niady hevitra tamin'i Stefana.10Ijy ireo die tsy nahatohitre ny fahendrena sy ny Fagnahy ijay nijakan'i Stefana. 11Avy eo die nisy olo nanaovan-dreo kolikoly mba hijaka hoe: "Efa regninay Stefana nijaka ratsy momba an'i Mosesy sy Andriamanitra.12Nanaitra ny olo areo, ny loholona sy ny mpanora-dalàna, die nandeha eo amin'i Stefana areo ary nanambotra an'aje teo ankatrehan'ny mpanolotsaina. 13Ary areo die nitondra fijoroana vavolombelogna diso, die nijaka hoe: "Itoy lelahy itoy die tsy miegnina mijaka ratsy itoy toerana masina itoy sy ny lalàna. 14Fa ahay die naharegne an'aje nijaka fa io Jesôsy avy agny Nazareta io die handrava itoy toerana itoy sy hagnova ireo fomba ijay natolotr'i Mosesy antsena." 15Ireo abiaby ijay nidoboke teo amin'ny toeran'ny mpanolotsaina die nandinike an'aje ka nahita fa hôtrin'ny anjely ny tarehine.Chapter 7
1Ny mpisorognabe nijaka hoe: "Marina ve ijany manontolo ijany?" 2Stefana nijaka hoe: "Ry rahalahy sy ry iaba, tenoy aho: "Ny Andriamanitrin'ny voninahitra niseho tamin'i iabantsena Abrahama tamin'ijy tagny Mesopotamia, talohany nipitrahany tao Harana; 3nijaka taminy Ijy hoe: "Melà eo amin'ny taninao anao sy ireo havanao, ary mandihana amin'ilay tany ijay atoroko anao."4Aviteo niala an'ilay tanin'ny Kaldeana ijy ary nipetraka tagny Harana; nanomboka teo, tafaran'ny nahafatesan'ny iabany, nindôsin'Andriamanitra tagny amin'ny tany io ijy, ijay hipitrahanao ijao. 5Tsy nameny ho lava teo ijy, tsiare, tsy ampy hametrahana tongotro akory. Fa nameny toky ijy, na die bola tsy nanan-janaka aja i Abrahama fa ijy die hagnome ny tany anajy ho fanagnany sy ho an'ireo taranagny agny afarany.6Andriamanitra die nijaka taminajy tahaka anijao, fa ireo taranagny die hipetraka elabe agny amin'ny tanin'ny firenena hafa, ary ireo mponigna ao die hitondra anajy ireo amin'ny fagnandevojana sy fampijalena mandritry ny efa-jato taogna. 7Nefa hitsaraiko ny firenena ijay tompon'ijy ireo,' hoy Andriamanitra, 'ary afaran'ny jay die hagnantogna sy hidera Anahy eo amin'io toerana io ijy ireo. 8Aviteo namen'Andriamanitra an'i Abrahama ny fagnekena amin'ny famorana, ka i Abrahama die nanjary iaban'Isaka ary namora anajy tamin'ny andro fahavalo; Isaka die nanjary iaban'i Jakoba, ary Jakoba nanjary iaban'ireo patriarika roa ambin'ny folo.9Satria ireo patriarika die nialogna an'i Josefa, ka namidindreo tagny Egypta ijy; fa Andriamanitra die niaraka taminajy10 ary namonjy anajy tamin'ireo olagny manontolo. I Josefa die nameny fankasitrahana sy fahendrena teo agnatrehan'i Farao, mpanjakan'Egypta, ijay nametraka anajy ho goverinora manapaka an'Egypta sy ambonin'ireo fanagnany manontolo.11Ary die avy ny mosary nagneragna an'Egypta sy Kanana, sy fijalena lehibe, ary ireo ranjantsena die tsy nahita hanina. 12Fa laha efa nandregny i Jakoba fa nisy vary tao Egypta, nandefa ireo ranjantsena tamin'ny diendreo vôlohany ijy. 13Tamin'ny diendreo faharoa i Josefa nampahalala ny tegnany tamin'ireo rahalahiny, ary ny fianakaven'i Josefa dia nanjary fantatr'i Farao.14Josefa die nagniraka ireo rahalahiny hijaka an'i Jakoba iabany ba ho avy agny Egypta, miaraka amin'ireo havany manontolo, teo amin'ny dimy ambin'ny fitopolo olo laha atambatra. 15Noho ijany Jakoba die nidigna tao Egypta, ary maty ijy, ijy sy ireo rajantsena. 16Nitakonina ho agny Sekema izy ireo ary nalevigna tao amin'ilay fasagna ijay nividin'i Abrahama tamin'ny volafotsy tamin'ireo janak'i Hamora tagny Sekema.17Laha efa nariny ny fotôgnan'ny fampagnatenana, ilay fampagnatenana ijay namen'Andriamanitra an'i Abrahama die niharahabe sy nitombo ny olo tao Egypta, 18mandra-tsanganan'ny mpanjaka hafa tao Egypta, mpanjaka ijay tsy nahalala ny momban'i Josefa. 19Io mpanjaka io hiany no namitaka ny vahôkantsena sy nampijaly ireo ranjantsena, ijy ireo die namôrise ny rajantsena handao ireo janagny ambava-loja ba tsy ho velogna.20Tamin'ijany fotôgna ijany i Mosesy no teraka; ijy die tsara teo agnatrehan'Andriamanitra ary nitejaina telo volagna tao andragnon'ny Iabany. 21Laha efa navôka tegny ivelany ijy, die ny janaka vavin'i Farao no nanangagna sy niteja anajy tahaka ny janagny lahy.22I Mosesy die nampenarina ireo fahendrena mano tolo nanagnan'ny Egypta, ary ijy die nahery tamin'ny jakany sy ny asany. 23Ka laha efa ho efa-polo taogna ijy, tonga tao am-pony ny hamangy ireo rahalahiny, janak'Israely. 24Nahita Israelita raika ijay nampijalena ka niaro anajy i Mosesy sady namaly an'ilay jay nampijaly anajy tamin'ny famonôna Egyptianina: 25Nihevitra ijy fa ho ajon'ireo rahalahiny fa tamin'ny alalan'ny tagnany Andriamanitra no nagnavotra anajy ireo, nefa die tsy ajon'ijy ireo ijany.26Ny andro magnaraka die avy tao amin'ireo Israelita sasagny ijy laha ijy ireo nifamaly; nagnandragna ny nampangigna ny tsiraidraika ijy, nijaka hoe: " Ry lelahy, anareo die mpirahalahy, magnino anareo no mifamôratra? 27Fa ny raika ijay nagnano ny tsy mety tamin'ny akamany nanosika anajy, ary nijaka hoe: "Ija no nanendry anao ho mpanapaka sy hitsara anay? 28Tienao ve ny hamono anahy, tahaka ny namonônao ireo Egyptianina omaly?"29Nitsôka i Mosesy laha efa naharegny anijany; nanjary mpiavy ijy tao amin'ny tanin'ny Midina, ijay nitorahany ny janagny rôlahy. 30Laha efa dila ny efa-polo taogna, nisy anjely raika nivôka tamin'ny tany agnefitra tegny amin'tendrombohitra Sinay, teo amin'ny lelan'afon'ilay vôroy nirehitra.31Laha efa tajagn'i Mosesy ilay afo, gaga ijy tamin'ilay fahitana; ary laha efa nagnantogna ijy nijaha, indro avy agny nisy feon'ny Tompo nijaka hoe: 32"Iaho no Andriamanitr'ireo rajagnao, Andriamanitr'Abrahama, sy Isaka, ary Jakoba." Nangitakitaka i Mosesy ary tsy nahasahy nijaha.33Ny Tompo nijaka taminajy hoe: "Alay ny kapa egny amin'ny hongotrao, fa io toerana ijay ijorônao io die tany masigna. 34Efa hitako tokôtra ny fijalen'ny vahôkako ijay ao Egypta, regniko ny fitaregnan'ijy ireo, ary efa nidigna nagnavotra anajy ireo Aho; ka ankehitriny, alefako ho agny Egypta anao."35Io ilay Mosesy ijay nolavin'ijy ireo, laha efa nijaka ijy ireo hoe: "Ija no na endry anao ho mpanapaka sy mpitsara?" Ijy ilay tokagna ijay nalefan'Andriamanitra sady ho mpanapaka no mpagnavotra. Andriamanitra nandefa anajy tamin'ny alalan'ny tagnan'ilay anjely ijay nipoitra tamin'ny Mosesy tegny amin'ny vôroy. 36Nitarika anajy ireo hiala tao Egypta i Mosesy, laha efa avy nagnano fahagagana sy famantarana tao Egypta sy tegny amin'ny ranomasina mena, ary tegny agnefitra nandritra ny efa-polo taogna. 37Io ihiany ilay Mosesy ijay nijaka tamin'ny vahôkan'ny Israely hoe: "Andriamanitra die hanangagna mpaminagny hônareo eo amin'ny rahalahinareo, mpaminagny tahaka Anahy.'"38Ijy ilay lelahy ijay tao am-pengonana tao agnefitra niaraka tamin'ilay anjely ijay nijaka taminajy tagny amin'ny tendrobohitr'i Sinay. Ijy ilay lelahy niaraka tamin'ireo rajantsena; ijy ilay lelahy ijay nandray ny teny velogna jaraina hôntsena. 39Ijy ilay lelahy ijay tsy nankasitrahin'ireo ranjantsena; natolak'ijy ireo lavitra ajy ireo ijy, ary agny am-pon'ijy ireo die nimpody tagny Egypta ijy ireo. 40Tamin'io fotôgna io nijaka tamin'i Arona ijy ireo hoe: "Agnamboary Andriamanitra ahay hitarika anay, tahaka an'i Mosesy, ijay nitarika antsena hivôka an'ny Egypta, tsy fantantsena ijay nitranga taminajy."41Ary nagnambôtra aomby lahy kely ijy ireo tamin'ijany andro ijany ary nitondra fagnatitra teo amin'ilay Sampy, ary nifaly tamin'ny asa tagnany ijy ireo. 42Niherika Andriamanitra ary nagnavela anajy ireo ba ho fiderana ireo kintagna egny an-dagnitra, araka ny vôsoratra tao amin'ny bokin'ny mpaminagny: "Anareo ve nanolotra Anahy biby maty sy fagnatitra sy fagnatitra nandritry ny efa-polo taogna tao agnefitra, tragnon'ny Israely?43Nekenareo ny taberinakelin'i Moloka sy ny kintan'Andriamanitra Refana, sy ireo sary ijay amboarinareo hiderana anajy, ary aho hitondra anareo agny ankôtran'Babylona."44Ireo ranjantsena die nanagna taberinakelin'ny fijorôna vavolombelogna tao agnefitra, araka ny bekon'Andriamanitra laha efa nijaka tamin'i Mosesy Ijy, ijay tokony namboariny nitovy tamin'ilay fomba efa hitany. 45Io ilay tragnolay ijay nalain'ireo rajantsena, ary nindôsiny tao amin'ilay tany niaraka tamin'i Josoa, teo agnatrehan'ireo rajantsena, ireo fanagnan'ny firenena ijay nandroahan'Andriamanitra ny tany ijay niresin'ijy ireo ho fanagnan'ijy ireo manokagna, Ilay tragnolay die nitoetra tao amin'ilay tany nandritry ny andron'i Davida, 46ary ijy nahajo fankasitrahana tao amin'ny fahitan'Andriamanitra ary nagnotany raha hahita toerana ho an'Andriamanitr'i Jakoba.47Fa i Salomona no nagnambôtra ny tragno hôn'Andriamanitra. 48Na die ijany aja, ny avo indrindra die tsy nipetraka tao amin'ny tragno vita tamin'ny tagnana, araka ny vôlajan'ny mpaminagny hoe: 49"Ny lagnitra no seja fiandrianako, ary ny tany no fitoeran-tongotro. Tragno hôtranino no hamboarina ho Anahy? hoy ny Tompo, na toerana tahakan'ino no hijanognako? 50Tsy tagnako ve nagnambôtra ireo raha manontolo ireo?51Ireo olo mafy hatoka sy tsy vôfora ao am-po sy sofigna, anareo die manohitra fôgna ny fagnahy Masina; anareo die magnano tahaka ijay namboarin'ny rajagnareo. 52Ija tamin'ireo rajagnareo no tsy nagnenjika mpaminagny? Nivonin'ijy ireo ny mpaminagny ijay niseho talohan'ny fieven'ilay fahamarinana, ary ankehitriny anareo die nanjary mpamadika sy mpamono anajy koa, 53anareo vahôka ijay nandray ny lalàna ijay navelan'ireo anjely, kanefa tsy nivaharanareo ijany."54Ary laha efa maharegny ireo raha ireo ny mpikambagna ao amin'ny filankevitra, tohigna ny fon'iny ireo, ary nihidy vajagna ijy ireo tamin'ny Stefana. 55Fa ijy, ijay feno fagnahy Masina, nijaha tsara ny lagnitra ary nahita ny voninahitr'Andriamanitra, ary nahita an'i Jesôsy nijoro teo ankavanan'Andriamanitra. 56Stefana nijaka hoe: "Jereo, hitako mivoha ireo lagnitra, ary ny janak'olo mijoro eo ankavanan'Andriamanitra."57Teo amin'ny jay die nitapenan'ireo mpikanbagna ao ami 'ny filan-kevitra ny tadignin'ijy ireo, ary nihieka niaraka tamin'ny feo ambony, nihajakajaka ijy ireo nenga tegny aminajy. 58Nitarihin'ijy ireo ambohon'ny tanàna ijy ary nanomboka nitily vato anajy ijy ireo, ary ireo vavolombelogna die nagnabela ny ankajony teo amin'ny hongotr'ilay jaja lahy nangehina hoe Saoly.59Laha nitily vato an'i Stefana igny ijy ireo, nangaika mahare ny Tompo ijy ary nijaka hoe: "Tompo Jesôsy, reso ny fagnahiko." 60Nandohalika ijy ary nangaika tamin'ny feo mahare hoe: "Tompo, aja tanana ijao ota ijao hanoherana anajy ireo." Laha avy nijaka an'ijany ijy die ajon-tory.
Chapter 8
1Nagneky ny fahafatesany i Saoly. Ka nanomboka tamin'io andro io ny fagninjehana lehibe hanoherana ny fiengonana ijay tao Jerosalema; ary ireo mpino rehetra die niparitaka nagneragna ireo faritry Jodia sy Samaria, Ankôtra ireo apôstôly. 2Ireo lelahy matahotra an'Andriamanitra die nandevigna an'i Stefana ary nagnano hira fisôrana an'aje. 3Fa Saoly die nanimba tanteraka ny fengonana; nitety tragno ijy ary nangala ireo lelahy sy ireo viavy, ary nandefa an-dreo andragno mejigna.4Fa ireo mpino ijay niparitaka die nandeha nitory ny tegnane. 5Filipo die nidigna tagny amin'ny tanàn-dehiben'ny Samaria ary nitory an'i Kristy tamin-dreo.6Laha efa naharegny sy nahita famantarana ijay nataon'ny Filipo ny vahôka raha be. 7Ireo fagnahy maloto die nivôka tamin'ireo raha be ijay nidirane, nihieka mafe, ary maro tamin'ireo malemy sy kilemaina no sitragna. 8Noho ijany die nisy fifalena lehibe tao amin'ilay tanàn-dehibe.9Fa nisy lelahy raika nangihina hoe Simona tao amin'ny tanàn-dehibe, ijay vô vetivety no nilalao ody; matetika nampitolagaga ireo vahôkan'ny Samaria ijy, laha efa magnambara fa ijy die olo manan-danja. 10Ireo Samaritana rehetra, manomboka amin'ny kely indrindra ka hatramin'ny lehibe indrindra, die niteno tsara an'ajy; ary hoy areo hoe: "Io lelahy io die ilay fahefan'Andriamanitra ijay antsoina hoe Lehibe." 11Areo die niteno an'ajy, satria ijy die nampitolagaga an-dreo efa nandritry ny fotôgna ela tamin'ireo odine.12Fa laha efa nino an'i Filipo areo noho ijy nitory ny filajantsara momba ny fanjakan'Andriamanitra sy ny agnaran'i Jesôsy Kristy, die namboarina batisa areo, na ireo lelahy na ireo viave. 13Na i Simona aza die nini, ary tafaran'ny nanôvana batisa an'aje die negnina niaraka tamin'i Filipo fehijay ijy. Laha efa nahita ireo famantarana sy asa lehibe ijay niseho ijy, die gaga.14Ary laha efa regnin'ireo apôstôly ao Jerosalema fa nandray ny tenin'Andriamanitra Samaria, die nalefan-dreo tagny amin-dreo i Petera sy Jaona. 15Laha efa nidigna areo, die nivavaka hôn'ijy ireo areo, ba mety handresan-dreo ny Fagnahy Masina. 16Fa nandrapahatongavan'ijany fotôgna ijane, die bola tsy nisy nilatsahan'ny Fagnahy Masina mihintsy areo; fa vita batisa tamin'ny agnaran'i Tompo Jesôsy fotsiny mandy. 17Avy teo i Petera sy Jaona die nametraka ny tagnany teo amin-dreo, ary die nandray ny Fagnahy Masina areo.18Ary laha efa hitan'i Simona fa ny Fanahy Masina die natolotra teo an-tagnan'ireo apôstôly tamin'ny alalan'ny fametrahan-tagnana, die nameny vola areo. 19Hoy ijy hoe: "Omeo an'ahy mandy koa ijany fahefana ijane, ka ijay rehetra amitrahako tagnana die mety handray ny Fagnahy Masina."20Fa hoy i Petera taminaje hoe: "Ho velogna miaraka aminao anie ny volafotsinao, satria anao nieritreritra ny hahajo ny fagnomejan'Andriamanitra amin'ny alalan'ny vola. 21Anao die tsy managna anjara na ampahany amin'ijane raha ijane, satria ny fonao die tsy marina amin'Andriamanitra. 22Noho ijany mibebaha amin'ny faharatsenao, ary mivavaha amin'ny Tompo, sa ba mety hamela ny fagniren'ny fonao ijy. 23Fa aho mahita fa anao die vôpoïjin'ny lolom-po sy vôfehin'ny fahotana anao."24Simona namaly ary nijaka hoe: "Mivavaha amin'ny Tompo hôn'ahy, ba tsy hisy hitranga amin'ahy ireo ijay nijakainao."25Laha efa nijoro vavolombelogna sy nagnambara ny jakan'ny Tompo areo, die niverigna tagny Jerosalema i Petera sy Jaona, nitory ny filajan-tsara tamin'ireo tanàna maro tao Samaritana.26Ary nisy anjelin'ny Tompo nivoria tamin'i Filipo sady nijaka hoe: "Mitsangàna ary mandihana miagnantsimon'ny lalagna midigna avy agny Jerosalema menga agny Gaza." (Io lalagna io die agny agn'efitre.) 27Die nitsangagna ijy ary nandeha. Indro, nisy lelahy avy tagny Etiopia, tandapan'ny Kandasy, mpajaka viavin'ireo Etiopiana. Ijy no niandrekitra ny harena rehetre. Avy tagny Jerosalema ijy ba hidera. 28Ary nody ijy ka nitoboka teo amin'ny kalesany, ary namaky ny jakan'i Isaia mpaminagny.29Ary ilay fagnahy nijaka tamin'ny Filipo hoe: "Mandihana ary aja miala lavitra an'io kalesa io." 30Ka die nihajakajaka nagnantogna an'aje ijy, ary naharegny an'aje namaky ny jaka tao amin'Isaia mpaminagny, ary nijaka hoe: "Ajonao ve io vakinao io?" 31Nijaka ilay Etiopiana nagnano hoe: "Aôna no hahafantarako, laha tsy misy olo mitari-dalagna an'ahe?" Nengavy an'i Filipo ijy ba hagnantogna ny kalesa ary hitoboka hiaraka aminaje.32Ary ny andalan-soratra Masigna ijay nivakin'ilay Etiopiana die nagnano hoe: "Nandao hivonina hôtran'ny ondry ijy, ary hôtran'ny janak'ondry môgna teo alohan'ny mpibory an'aje, noho ijany die tsy niloa-bava ijy. 33Fa tamin'ny fagnalam-baraka an'ajy die nalaina tamin'ajy ny rarine. Ija no afaka hamaritra tanteraka ireo taranagne? Nohon'ny aigny nalaina teto an-tane."34Noho ijany die nagnotany an'ilay tandapa i Filipo, nagnano hoe: "Mitalaho aminao aho, ija no vorianin'io mpaminagny io, ny tegnany mandy ve, sa olon-kafa?" 35Nanombaka nijaka i Filipo, ary nanomboka tamin'ijany soratra masigna ijany no nitoreny ny filajantsara momba an'i Jesôsy tamin'aje.36Laha efa nenga tagny an-dalagna areo, die nagnantogna tegny amin'ijay nisy rano areo ary hoy ilay tandapa hoe: "Indro, misy rano eto. Ino no mahasakagna an'ahy tsy atao batisa?" 37(Fagnamarihana: Hoy Filipo hoe: "Raha mino amin'ny fonao manontolo anao, die afaka atao batisa." Ilay Etiopiana namaly hoe: "Mino aho fa Jesôsy Kristy no janak'Andriamanitra.") 38Ka nasain'ilay Etiopiana najanogna ilay kalesa. Nidigna tegny amin'ny rano areo, i Filipo sy ilay tandapa, ary natan'i Filipo batisa ijy.39Laha efa nivôka ny rano areo, die nandan'ny fagnahin'ny Tompo i Filipo, ka tsy hitan'ilay tandapa koa ijy, fa nenga tam-pifalena tegny amin'ny lalagny. 40Fa i Filipo die niseho tagny Azota ary nitety an'io faritra io ijy, nitory ny filajantsara eraky ny tanàn-dehibe rehetra mandrapahatongany tagny Kaisaria.Chapter 9
1Fa i Saoly, die mbola nijaka fandrahognana fehijay eka fa na hatramin'ny famonoana manohitre ireo mpianatry ny Tompo aja, nenga tagny amin'ny mpisoronabe die2 nagnadigna andreo taratasy ho an'ireo Synagoga tao Damaskosy, ka raha mahita na ija na ija eo amin'ny Lalagny ijy, na lelahy na viavy, indôsine hifatotre agny Jerosalema ijy ireo.3Raha mbola nandeha ijy die ijao no nitranga laha tonga teo akekin'i Damaskosy ijy, tampoke teo die nisy hazavana namirapiratre nagnodidigna anajy avy agny an-dagnitre;4 die lavo tamin'ny tany ijy ka naharegny feo nijaka taminajy hoe: ''Saoly,Saoly, nagnino anao no magnenjika anahy?''5Saoly namaly hoe: ''Ija anao , Tompo?'' Hoy ny Tompo: ''Iaho no Jesôsy ijay enjehinao;6 fa mitsangana, midira ao amin'ny tanàna, die ho jakaina aminao ijay tsy mentsy ho ataonao.'' 7Ny lelahy ijay niara-die tamin'i Saoly die nijoro tsy nahajaka, naharegny ny feo, fz tsy nahita an'ija na ija.8Nitsangana laha tamin'ny tany i Saoly, die laha nanokatre ny masone ijy, die tsy afake nahita na ino na ino ijy; ka nintantagna-dreo tamin'ny tanagne ijy die nihoentina tagny Damaskosy. 9Tsy nahiratre ijy nandritre ny telo andro, die tsy nihinagna ijy no sady tsy ninogna.10Die nisy mpianatre tao Damaskosy angihina hoe Ananiasy. Nijaka taminajy tamin'ny fahitana ny tompo: ''Ananiasy!'' Hoy ijy: ''Indro itpy iaho, Tompo.'' 11Nijaka taminajy ny Tompo: ''Mitsangana, die mandihana agny amin'ny lalagna ijay angihina hoe Mahitsy, die raha ao andragnon'i Jodasy die mangataha amin'ny lelahy avy agny Tarsosy angihina hoe Saoly, fa mivavake ijy. 12Efa nahita tamin'ny fahitana ny fevian'olo angehina hoe Ananiasy ijy die hametrake ny tanagne eo aminajy, ka mety hahita koa ijy.''13Fa namaly Ananiasy hoe: ''Tompo, efa naharegny tamin'ny rahabe momba io olo io iaho mahakasike ny ratsy namboarine tamin'ny olonao masina tao Jerosalema.14 Nanagna fahefana tamin'ny lohan'ny mpisorona ija mba hagnambotre ijay manontolo magnantso ny agnaranao eto.'' 15fa ny Tompo nijaka taminajy hoe: ''Mandihana, fa ijy die fitôvana nifidiko, mba hitondra ny agnarako eo anatrehan'ny Jentilisa sy ny mpanjaka ary ny janak'Israely;16 Fa ho abôkako anajy hoe ahôna ny fijaliane noho ny amin'ny agnarako.''17Die lasa i Ananiasy, die niditre tao amin'ny tragno. Nametrake ny tagnane teo aminajy, die nijka ijy hoe: ''Rahalahy Saoly, ny Tompo Jesôsy, ijay nibôke tzminao tegny an-dalagna rehefa nandehaty anao, no nagnirake anahy taty mba mety hahiratanao die ho feno ny Fanahy Masina.'' 18Teo no ho eo die raha hôtran'ny kiran-trondro no niendake laha teo amin'ny mason'i Saoly, die nahita ijy; nitsangana ijy die natao batisa; 19die nihinagna ijy ka nahajo hery. Nipetrake niarake tamin'ny mpianatre tao Damaskosy nandritre ny andro maro ijy.20Tonga die nagnambara an'i Jesôsy tao amin'ny synagoga ijy, nijaha fa Ijy no Janak'Andriamanitre.21 Ijay manontolo naharegny anajy die jendagna die nijaka hoe: ''Tsy io olo io ve no namono ireo tagny Jerosalema ijay nagnatso tamin'io agnarana io? Tonga teto mba hangala an-dreo ho fatorana ho agny amin'ny mpisoronabe.'' 22Fa lasa nehanantanjake i Saoly, ary nampahory ny Jiosy ijay nonigna tao Damaskosy ka nagnaporofo fa Jesôsy no Kristy.23Tafaran'ny andro maromaro, niarake-nagnano fomba mba hamono ajy ireo ny Jiosy. 24Fa lasa fantatr'i Saoly ny tetikan-dreo. Die nandigny ny vavahady andro aman'aligna mba hamonoana anajy ireo. 25Fa nangala anajy tamin'ny aligna ny mpianatrane die nagnabela anajy hidigna die nagnake anajy hidigna tamin'ny rindrigna, nampidigna anajy tao agnaty tanty.26Raha tonga teo Jerosalema ijy, die nagnandragna ny hagnatogna ny mpianatra i Saoly nefa nangoaigna anajy aby ire, tsy nino fa mpianatra ijy. 27Fa nangala anajy i Barnabasy die nitondra anajy teo amin'ny Apostoly, die nijaka tamin-dreo ijy hoe ahôna no nahitan'i Saoly ny Tompo tegny an-dalagna sy ny nijakan'ny Tompo taminajy, die ahôna no nitorian'i Saoly am-pahasahiana tamin'ny agnaran'i Jesôsy tao Damaskosy.28Nihaogna tamin-dreo ijy rehefa niditre die nivôke an'i Jerosalema.Nijaka am-pahasakina tamin'ny agnaran'i Jesôsy Tompo ijy29 die niady hevitre niarake tamin'ireo Jiosy Grika; nefa mbola niejake ny hamono anajy mandy andreo.30 Rehefa fantatr'ireo rahalahy ijany, die nihoentin-dreo nidigna tagny Kaisaria ijy die nalefane ho agny Tansosy ijy.31Die avy eo ny fiangonana nagneragna an'i Jodia manontolo, ary Samaria nanagna fiadanagna ary voaorina; die nenga tamin'ny fahangoaignana ny Tompo sy tamin'ny fampiononan'ny Fanahy Masina, ka nitombo isa ny fiangonana.32 Die tonga ijany ankehitriny, raha nandeha nagneragna ny faritre manontolo i Petera, die nenga nidigna tagny amin'ireo mpino ijay nipetrake tao amin'ny tananan'i Lyda mandy koa ijy.33Nahita olo angihina hoe Aenasy,tao ijy, ijay efa teo am-pandrena nandritre ny valo taogna, satria nalemy ijy. 34Petera nijaka taminajy hoe: ''Aenasy, magnafake anao Jesôsy Kristy. Mitsangana die amboary ny fandrenao,'' die nirake tamin'ijay die nitsangana ijy.35 Fa ijay manontolo nipetrake tao Lyda sy Sarona die nahita ny lehilahy ka niherike tamin'ny Tompo an-dreo.36Die nisy mpianatre raike angihana hoe Tabita tao Jopa, ijay adika hoe''Dorkasy''. Nagnano asa soa rahabe io viavy io die nagnano fagnampiana feno asa fiantrana ijay namboarine ho an'ny misotry.37 Tamin'ny andro io die narare ijy die mate; laha nagnasa anajy andreo, die napetrakan-dreo tao amin'ny efitragno ambony ijy.38Satria efa nagnakeky an'i Lyda i Jopa, dienaharegny ireo ny mpianatre fa tao i Petera, die nandefa olo roa tagny aminajy ijy ireo, nengavy anajy.'' Mitongava aro agny aminay tsy misy hata-kandro.''39 Nitsangana Petera die nenga niarake tamin-dreo. Rehefa tonga ijy, die nitondra anajy tao amin'ny efitre ambony an-dreo, die ny mpivantotre abiaby nitsangana teo agnilany nitagany, nagnabôke anajy akanjo sy ny lamba ijay nataon'ireo Dorakasy tamin'ijy niarake tamin-dreo.40Nalefan'i Petera tagny ivelagnin'ny efitre areo abiaby, nandohalike, die nivavake; avy eo niherike tamin'ny razagna, nijaka ijy hoe: '' Tabita, mitsangana.'' Die nanokatre ny masone ijy avy eo die nzhita an'i Petera ijy die niarigna.41 Avy eo nanolon-tanagna ajy Petera die nampitsangana anajy; die laha nangaike ny mpino sy ny mpivantotre ijy , die nabôgne tamin-dreo ny fahavelomane.42 Lasa fantatre magneragna an'i Jopa aby ijany abizby ijany, die olo rahabe no nino ny Tompo.43 Tamin'ijay Petera die nipetrake andro misimisy niarake tamin'ny lelahy raike angihina hoe Simona tao Jopa, ijay mpandoko hoditre.Chapter 10
1Ary nisy lelahy raike tao amin'ny tananan'ny Kaisara, angehina hoe Kornelio, kapitenin'ireo antoko Miaramila Italiana.2 Lelahy mpivavake ijy, ilay raike ijay midera an'Andriamanitra miaraka amin'ny ankohonane abiaby; nagnome vola rahabe an'ireo ijay tao agnatin'ny tsy fahampena ijy, ary nivavake fehijay tamin'Andriamanitra.3Nagnodidigna ny tamin'ny sivy ora maraigna teo ho eo, nahita majava tamin'ny fahitana anjelin'Andriamanitra nagnantogna an'aje ijy. Ilay anjely nijaka tamin'ajy hoe: "Ry Kornelio!"4 Kornelio nitsirike ilay anjely ary tena reki-tahotre ka nijaka hoe: "Fa ino itiky, tompoko?" Ilay anjely nijaka tamin'ajy hoe: "Ireo vavakanao sy ireo fagnomejanao hôn'ny misotry die tafiakatre ho fagnati-pahatsiarovana eo agnatrehan'Andriamanitra. 5Ary magniraha lelahy ho agny amin'ny tanànan'ny Jopa mba hangala ilay lelahy raike atao hoe Simona ijay angehina hoe Petera.6 Monigna miaraka amin'ny mpandoko hoditre angehina ijy, ijay egny amoron-dranomasina ny tragnone."7Laha nenga ilay anjely ijay nivoria tamin'aje, die nangaike ny roe tamin'ny mpanompone tan-dragno i Kornelio, ary miaramila mpivavake raike tamin'ireo ijay nanompo an'aje. 8Kornelio nivoria tamin-dreo ijay abiaby niseho ary nandefa an-dreo tagny Jopa.9Ary ampitson'igne nagnodidigna tamin'ny enina ora teo, laha mbola tan-dalagna areo ka nagnantogna ny tanàna, die nagnanike tambony tafo-tragno i Petera mba hivavake. 10Nanomboke mosaregna ijy avy teo ka nandrembe raha ho hanina, kanefa laha mbola teo am-pandrahôna hanina ny olo, die nahita fahitana ijy, 11ary nahita ny lagnitre nivoha ijy sy fagnampirimana raike nidigna, hôtran'ny lamba makadiry midigna etoy an-tane, ampidignina amin'ny jorone efatre.12 Tao no nisy karajam-biby manan-tongotre efatre sy raha ijay mandady abiaby etoy an-tane ary ny vorognan'ny lagnitre.13Die nisy feo nijaka tamin'ajy hoe: "Mitsangàna, ry Petera, mamonoa ary mihinàna.'' 14Fa i Petera nijaka hoe: ''Tsiare, Tompo; fa mbola tsy nihinagna raha ijay vôrara sy tsy madio iaho." 15Nefa avy tamin'ajy fagnindroane indraike ilay feo hoe: "ijay nidiovin'Andriamanitra, die tsy angehina hoe fady." 16Niseho in-telo ijane; ary avy teo ilay fagnampirimana die nipody niakatre teo no ho eo tagne an-dagnitre.17Ary laha very hevitre mahakasika ny dikan'ilay fahitana ijay hitane i Petera, die igne, ireo lelahy ijay nirahin'i Kornelio nitsangagna talohakan'ny vavahady, avy teo areo die nagnontany ijay làlagnan-dreo miditre ao an-dragno. 18Die nangaike areo ary nagnonatany an'i Simona, nangehina mandy koa hoe Petera, ijay nijanogna teo.19Laha mbola nieritreritre mahakasika ilay fahitana i Petera, die nijaka tamin'ajy ny Fagnahy hoe: "Igne, lelahy telo no mandrembe anao. (Fagnamarihana: Ny dikan-teny talohake die hoe: "Lelahy roe no mandrembe anao" na "misy lelahy sara-saragne mandrembe anao.) 20Mitsangàna ary midignà ka meraha amin-dreo. Aja mihafahafa miaraka amin-dreo, satria iaho no nagniraka an-dreo. 21Ary Petera nidigna tagne amin'ireo lelahy ireo ka nijaka hoe: "Iaho ilay rombejinareo. Ino no antone nevianareo?"22Hoy areo hoe: "Ny kapiteny angehina hoe Kornelio, lelahy marina ary olo midera an'Andriamanitra, ary tsara laja agne amin'ny firenen'ny Jiosy abiaby, ijay nivorianin'ny anjely masin'Andriamanitra mba hampangala anao ho agne an-dragnone, noho ijane die afake miheno ny hafatre avy aminao ijy."23 Die nagnasa an-dreo hiditre sy hijanogna hiaraka amin'ajy Petera. Ny ampitso maraignan'igne die nitsangagna ijy ka niaraka tamin-dreo, ary ny saragne tamin'ireo rahalahy avy agne Jopa die nagnaraka an'aje.24Ny andro magnaraka die tonga tao Kaisaria areo. Kornelio die nandigny an-dreo; nangehine niarake ny havane sy akamane akeke.25Ary tamin'ijane laha niditre Petera, nifankahita tamin'ajy i Kornelio ary nenkohoke tamin'ny tongone mba hidera an'aje.26 Fa Petera nagnampy an'ajy, nijaka hoe: "Mitsangàna! Iaho mandy koa die olo mandy.27Laha mbola nivoria niaraka tamin'ajy i Petera, die niditra ijy ary nahita olo rahabe nivorovoro. 28Hoy ijy tamin-dreo: "Ny tegnanareo mahafantatre fa tsy ara-dalàna hôn'ny Jiosy ny miara-miasa na mamangy olo avy amin'ny firenena hafa. Fa Andriamanitra nagnaseho tamin'ahy fa tsy tokony hangaike olo-pady na tsy madio iaho. 29Ijany no antone neviako tsy nisy fanakasakanana, laha nirahina Iaho. Ka magnontany anareo Iaho hoe nagnino anareo no magniraka amin'ahe."30Kornelio nijaka hoe: "Efatra andro melohan'ijao ora ijao mihitsy, die nivavake tao an-dragnoko iaho tamin'ny sivy ora; ary nahita lelahy raike nitsangagna talohako teo nagnano akanjo namirapiratre.31 Hoy ijy hoe: "Ry Kornelio, efa regnin'Andriamanitra ny vavakanao, ary ireo fagnomejanao hôn'ireo misotry die mampahatadidy an'Andriamanitra ny momba anao.32 Noho ijany die magniraha olo ho agny Jopa, ary angeho ho agny aminao ilay lelahy atao hoe Simona ijay angehina hoe Petera. Monigna ao an-dragnon'i Simona mpandon-koditre angehina hoe: Simona iji, ijay egny amoron-dranomasina."(Fagnamarihana: Ny dikan-teny talohake die magnampy hoe: "Laha avy ijy, die hivoria aminao." 33Ary avy hatragny die nampandihaniko hôminao. Tsara ny fevianao. Ary amin'ijao fotôgna, antsena abiaby avy eto amason'Andriamanitra, mba hiheno ireo abiaby ijay nivorianin'ny Tompo anareo no jakaina." (Fagnamarihana: "Laha tokony ho: "nivorianin'ny Tompo no jakaina" no eo, ny dikan-teny talohake die hoe: "nivorianin'Andriamanitra no jakaina.")34Avy teo die namoha ny vavane Petera ary nijaka hoe: "Marina tokôtre,fantatro fa Andriamanitra die tsy mendagny na amin'ija na amin'ija. 35Fa koja, agny amin'ny firenena kiraidraike n'ija n'ija no midera sy mambôtre asa marina die ekeny aby.36Fantatrareo ilay hafatre ijay nalefane hôn'ny olon'Israely, laha nagnambara filajantsara mahakasika ny fedagnana avy amin'ny alalan'i Jesôsy Kristy ijy, ijay Tompon'ny abiaby- 37Anareo tegnanareo die mahafantatre ireo raha-niseho, ijay tena niseho tao amin'ny toerana abiaby tao Jodia, nanomboke tagny Galilia, tafaran'ny batisa ijay natoron'i Jaona;38 ireo raha-niseho mikasika an'i Jesôsin'ny Najareta, ny fomba nagnosoran'Andriamanitra an'aje tamin'ny Fanahy Masina sy tamin'ny hery. Nandeha nagnano soa ijy sady nagnasitragna ireo abiaby ijay vôgejan'ny devoly, satria Andriamanitra die niaraka tamin'Aje.39Antsena die vavolombelognan'ireo raha-vitan'i Jesôsy abiaby, tagne amin'ny tanin'ny Jiosy sy tagne Jerosalema. Nivonin-dreo ijy tamin'ny alalan'ny fagnasampajana an'ajy teo amin'ny hajo,40 fa Andriamanitra nanangagna an'aje tamin'ny andro fahatelo ary nagnano ijay hahitana an'aje,41 tsy ireo olo abiaby, fa ireo vavolombelogna ijay vôfidin'Andriamanitra meloha- tamintsena iajy nihinagna sy nisotro niaraka tamin'Aje tafaran'ny nitsanganane tamin'ny mate.42Nandidy anay ijy mba hagnatoro amin'ny olo sy hijoro vavolombelogna fa ijy ilay raike nifidin'Andriamanitra ho Mpitsara ny velogna sy ny mate. 43Hôn'aje no hijoroan'ny mpaminany abiaby vavolombelogna, mba ho ireo ijay mino an'aje no handray famelan-keloke amin'ny alalan'ny agnarane.44Laha mbola nijaka ijany raha ijany i Petera, die nilatsake tamin'ireo abiaby ijay niheno ny hafatrane ny Fanahy Masina.45 Ireo olo tagnatin'ny vondron'ny mpino vôfora- ireo abiaby ijay niaraka tamin'i Petera- die jendagna, satria ny fagnomejan'ny Fanahy Masina die nirotsake hôn'ny Jentilisa mandy koa.46Fa regnin-dreo ireo Jentilisa ijay mijaka amin'ireo fijakàna hafa sy mankalaja an'Andriamanitra. Die namaly Petera hoe: 47Moa ve misy olo afaka mitagna rano mba tsy hamboarana batisa an-dreo, ireo olo nandray ny Fanahy Masina hôtran-tsena koa? 48Die nandidy an-dreo mba hamboarina batisa amin'ny agnaran'i Jesôsy Kristy ijy. Ary nengavy an'aje areo mba honigna hiaraka amin-dreo mandritra ny andro vitsivitsy.Chapter 11
1Die ny apostoly sy ny rahalahy ijay Jodia naharegny fa ny Jentlisa mandy koa die mandray ny janak'Andriamanitra. 2Laha niakatra tagny Jerosalema i Petera, areo ijay tao amin'ny antokon'ny vôfora die nagnakigna anajy, 3hoy areo hoe: "Anao nitambatra niarake tamin'ny lelahy tsy vôfora sady nihinagna miaraka tamin'dreo.4Fa petera nanomboka nagnajava ny raha-nitranga tamin'dreo tamin'ny antsipiriane; hoy ijy hoe: 5Nivavaka tagny amin'ny tanànan'ny Jopa iaho, die nahita fahitana ny amin'ny fisiandraha raike ijay nijotso, hôtrany lamba angeja nampidignina avy agny an-danitra tamin'ny jorony efatre iaho. Nijotso teo aminahe ijane.6 Nibajigna iajany iaho ary nisaintsaigna momba ijane. Nahita ny biby manan-tongotra efatra ny tany, ny biby dia, ny biby mandady, ny vorogna egny amin'ny lagnitra iaho.7Avy teo die naharegny feo nijaka taminahy hoe: " Mitsangana, ry petera ; mamonoa ary mihinàna. 8"Hoy iaho hoe:" tsia, ry Tompo; fa tsy bola misy raha tsy masina na maloto mihintsy niditre tato am-bavako."9 Fa ny feo namaly avy agny an-dagnitra ndraike hoe: " Ijay nambaran'Andriamanitra fa madio, aja angihina hoe maloto."10 Niseho intelo ijany, die avy teo die nalaina niverigna niakatra tagny an-dagnitra ndraike ny raha manontolo.11Indro, teo noho eo die nisy telo lahy nitsangagna teo alohan'ny tragno ijay nisy anay; nalefa avy tagny Kaisaria nandeha taty aminahe areo. 12Ny fagnahy die mandindy anahe hiaraka amin'dreo, die tsy tokony hagnisy fijahan-tava amin'dreo iaho. ny rahalahy enina io die nandeha niarake taminahe, die nandeha nenga ao andrangon'ny lelahy ahay.13 Ijy nijaka taminay ny nahitany anjely raike nitsangagna tao an-dragnone ary nijaka hoe:" Magniraha lelahy agny Jopa ary indôsy mipody i Simona ijay angihina hoe Petera.14 Ijy die hilaja hafatra raike aminao ijay havôvonjy anao-anao sy ny ankohonanao manontolo."15Laha vô nanomboka nijaka tamin'dreo iaho, ny Fanahy Masina die tonga tamin'dreo, hôtrany ny nidignany taminay tagny am-bôlohany.16 Tsarôko ny jakan'ny Tompo, ny nijakane hoe: "Jaona nanao batisa tamin'ny rano tokôtre; fa anareo die mila hatao batisa ao amin'ny Fagnahy Masina."17Koa raha Andriamanitra magnome an-dreo ny fagnomejana mitovy amin'ijay namene antsena tamintsena nino an'ny Tompo Jesôsy Kristy, ija iaho, no ho afaka hanohitra an'Andriamanitra?" 18Laha efa regnin'dreo ijany raha ijany, tsy nijaka n'ino n'ino hindao-mamale areo, fa nidera an'Andriamanitra koja areo ary nijaka hoe: "Ary Andriamanitra nagnome fibebahana ho fiaignana ho an'ny jentlisa mandy koa."19Ary ijay naparitaka nohon'ny fagnenjehana ijay netomboka tamin'ny fahafatesan'i Stefana die niely lavitra tagny Foinika, Kyprosy, ary Antioka, fa areo die nilaja ny hafatre momba an'i Jesôsy tamin'ny Jiosy irery mandy.20 Fa ny saragne tamin'dreo, ny lelahy avy agny kiprosy sy Kyrena, die nandeha tagny Antioka ary niresaka tamin'ny Grika mandy koa, nilaja tamin'dreo ny filajantsara momba ny Tompo Jesôsy.21 Ny tanagn'i Tompo die niaraka tamin'dreo; maro isa no nino ary nitodika tamin'ny Tompo.22Ny vaovao momba an'dreo die tonga tegny an-tsofin'ny fengonana tao Jerosalema, ary areo nagniraka an'i Barnabasy hatagny Antioka.23 Laha efa tonga ijy ka nahita ny fagnomejan'Andriamanitra, die falifaly ijy; ary ijy nampahery anajy aby mba hipetraka miaraka amin'ny Tompo amin'ny fon'dreo manontolo. 24satria ijy die lelahy tsara sady feno ny Fanahy masina sy ny finôna, ary olo maro no niampy ho an'ny Tompo.25Die nandeha agny Tarsosy i Barnabasy mba hiremby an'i Saoly. 26Laha efa hitany ijy, die nindaony tagny Antioka. Ary nandritry ny heritaogna magnijitre areo die niara-niangogna niaraka tamin'ny fengonana ary nampianatra olo maro. Ny mpianatra die nangihina vôlohany hoe kristianina tao Antioka.27Ary tamin'ijany andro ijany die nisy mpaminagny maromaro nidigna avy tagny Jerosalema nandeha agny Antioka.28 Raike tamin'dreo, i Agabo no nagnatsovana anaje, nitsangagna ary notoroin'ny Fagnahy fa hisy mosary lahibe hitranga magnerana ijao tontolo ijao. Nitranga ijany tamin'ny andron'i Klaodio.29Noho ijany, ny mpianatra, araka ny fahafahan'ny tsiraidraike avy, die nanapa-kevitra ny handefa fagnampena ho an'ny rahalahy tagny Jodia.30 Nagnano ijany areo; nandefa vola ho an'ny loholona areo tamin'ny tanagn'i Barnabasy sy Saoly.
Chapter 12
1Ary tamin'ijany andro ijany Heroda mpanjaka nanambotra ireo saragny ijay an'ny fengonana ba hahafahany hampijaly anajy ireo. 2Nivoniny tami'ny sabatra Jakoba rahalahin'i Jaona.3Ary laha efa hitany fa nahafaly ireo Jiosy ijany, die nagnano je hisamborana an'i Petera koa ijy. Ija ny die nandritry ny andron'ny mofo tsy misy masirasira. 4Laha efa avy nisamborina ijy, die nataony tagny am-ponja ijy ary nanendry miaramila efa-toko hiambigna ijy, nikasa ny hitondra anajy eo amin'ny olo afaran'ny Paska ijy.5Noho ijany die nitanana tao am-poja Petera, fa ny vavaka die nataon'ireo ijay tao am-pengonana mafy kokoa tamin'Andriamanitra hônajy. 6Ny aligna alohan'ny hitondran'i Heroda anajy hitsaraina, Petera die nandry teo agnelagnelagny ny miaramila rôlahy, vôfehy tamin'ny rojo roa, laha bola nijanogna niambigna ny fonja ny mpiandry teo alohan'ny varangaragna.7Ka, nisy anjelin'ny Tompo nitranga tampoka nandriny anajy, ary nisy hajavnana namiratra tao agnatin'ny fonja. Nagnady an'i Petera teo amin'ny ilany ijy ary namoha anajy ka nagnano hoe: ''Mitsanganà malaky'', ary ireo rojony niala tamin'ny tagnany. 8Ny anjely nijaka taminajy hoe: ''Ampekanjoy ny tegnanao, ary anôvy ny kiraronao.'' Die nambiarin'i Petera arak'ijany. Ny anjely nijaka taminajy hoe: ''Anôvy ny akanjonao ivalany ary magnaraha anahy.''9Die nagnaraka le anjely Petera ary nivôke. Tsy fantany fa je rehetra nataon'ny anjely die tena ijy. Nihevitra ijy fa nahita fahitana.10 Laha efa avy nandalo teo amin'ny mpiambigna vôlohany sy faharoa ijy ireo, die avy teo amin'ny vavahady vy ijay mitondra megnagny amin'ny tanàna; nisokatra hoajy tamin'ijy ireo ijany. Nivôka ijy ireo ary nidigna tamin'ny lalagna raike, ary le anjely nandao anajy avy hatragne.11Laha efa nipody tamin'ny tegnany Petera, nijaka ijy hoe: ''Ankehitriny die fantatro marina fa ny Tompo no nandefa ny anjeliny ary nagnafaka anahy tamin'ny tagnan'i Heroda, sy tamin'ny raha manontolo ijay nandiasan'ny Jiosy hiseho. 12Laha efa tonga saigna tamin'ijany ijy, die nenga tagny a dragnon'i Maria iendrin'i Jaona, angehina mandy koa hoe Marka, ijay nisy olo rahabe niangogna sy nivavaka.13Laha efa nandondogna teo ambavahady ijy, nisy mpanompo viave raike atao hoe Roda avy namaly. 14Laha efa fantany ny feon'i Petera, taminkafalena die tsy nahefa namoha ny varangaragna ijy; fa koja, nandeha nihajakajaka nenga tagny andrangno ijy, nitateriny fa Petera nijoro teo ambarangaragna. 15Die nijaka taminajy ijy ireo hoe: ''Môla anao.'' fa nihijingijigna ijy fa ijany no ijy. Nijaka ijy ireo hoe: ''Ny anjeliny ijany.''16Fa Petera nanohy nandondogna, ary laha efa nivohan'ijy reo ny varangaragna, die nahita anajy ijy ireo ary jendagna. 17Petera nagnetsika ny tagnany tamin'ijy ireo ba hangigna, ary nijakainy tamin'ijy ireo ny fomba nitondran'ny Tompo anajy nivôkan'ny fonja. Hoy ijy hoe: ''Tatero agny amin'i Jakoba sy ireo rahalahy ijany raha ijany. ''Die niala ijy ary nanga tagny amin'ny toeran-kafa.18Ary laha najava ny andro die tsy nisy fietangnam-po kely teo amin'ireo miaramila ny amin'ijay nitranga tamin'ny Petera. 19Laha efa avy nandremby anajy i Heroda ary tsy nahita anajy, die nagnadihady ny mpiandry ijy ary nandidy anajy ireo ba hivonina. Die nidigna avy lahatagny Jodia nenga agny Kaisara ijy ary nitoboka tagny.20Ary Heroda die vignitra mafy tamin'ny vahôkan'i Tyra sy Sidona. Niaraka nenga tagny amin'ijy ireo. Nandresy lahatra an'i Blasto ijy ireo, le mpagnampin'ny mpanjaka, ba hagnampy anajy ireo. Die nangataka fihavanana ijy ireo, satria ny tanànan'ijy ireo die mandray ny rahaninane avy lahatamin'nh mpanjakan'ny tanàna. 21Tamin'ny andro vôtondro Heroda die nampekanjo ny tegnany akanjona mpanjaka ary nitoboke teo amin'ny seja fiendriagnana; nikabary tamin'ijy ireo ijy.22Nihiekeka ny vahôka: ''Ijany die feon'Andriamanitra, fa tsy an'olo!'' 23Teo ho eo die nisy anjelin'ny Tompo namele anaje; satria tsy nagnome voninahitra an'Andriamanitra ijy; nihoanin'ny viky ijy die mate.24Fa ny jakanAndriamanitra nitombo sy niharahabe. 25Ka laha efa efan'i Barnabasy sy Saoly ny iraka nampanôvina anajy ireo, die niverigna avy tagny [Ny saragny amin'ireo dika soratra tonta mijaka hoe: ''Ijy ireo nipody tagny Jerosalema] Nerosalema ijy ireo, nitondra an'i Jaona niaraka taminaje ireo, ijay angehina mandy koa hoe Marka.Chapter 13
1Ary tao amin'ny fegonana tao Antioka, die nisy mpaminagny sy mpampianatra rahabe tao. Ijy ireo die Barnabasy, Simona ( Jay antsoina hoe Nigera), Lisiosa avy lahatamin'ny Sirena, Manaena (le rahalahy jay niolonono tamin'ny Heroda mpanjaka), ary Saoly. 2Laha bola nidera an'ny Tompo sy nifady hanina ijy ireo, ny fagnahy masigna nijaka hoe: ''Atokagny hônahy i Barnabasy sy i Saoly, ba hagnano ny asa ijay nangihako anajy ireo.'' 3Tafaran'ny fifadien'ijy ireo hanina, sy nivavahany ary nametrahan'ijy ireo tagnana tamin'ireo lelahy ireo, ijy ireo die nalefan'ijy ireo.4Ka nankato ny fagnahy masigna i Barnabasy sy Saoly ka nenga nidigna tagny Selosia; avy tegny ijy ireo die nesambo ho agny amin'ny nosin'i Sipra. 5Laha efa tao amin'ny tanànan'ny Salamina ijy ireo, die nitory ny jakan'Andriamanitra tao amin'ny Sinagogan'ireo Jiosy ijy ireo. Ary nanagna an'i Jaona Marka koa ijy ireo ba ho mpagnampy anajy ireo.6Ary laha efa namakivaky ny nosy raika manontolo enga tagny Pafosy ijy ireo, die nahita mpagnano ody, ijay mpaminagny Jiosy sandoka, ary ny agnarany die Bara Jesôsy.7 Mpagnano ody ijay niara-niasa tamin'ireo Governera, Serjio Paolosy, ijay lelahy tena mahay. Nisamborin'io lelahy io Barnabasy sy i Saoly, satria tahaharegny ny jakan'Andriamanitra ijy. 8Fa Elimasy ''mpagnano ody'' ( ijany no nandikana ny agnarany) nanohitra anajy ireo; ary niejaka ngnodigna ny governera hiala amin'ny finôna ijy.9Fa i Saoly, ijay antsoina mandy koa hoe Paoly, die feno ny fagnahy masigna, ary nandinika anajy tsara. 10Ary nijaka hoe: ''Anao ry janaky ny devoly, anao die feno karanjam-pitaka sy faharatsena manontolo. Fahavalon'ijay rehetra marina anao. Tsy hiegnina hamily ny lala-mahitsin'ny Tompo mihitsy anao, sa ts'ijany?11Fa indro ankehitriny, ny tagnan'ny Tompo eo aminao, ka hanjary jamba anao. Ary tsy hahita ny masoandro anao. ''Teo no eo die nilatsaka tamin'i Elimasy ny fahajanvôjavôna sy fahamejignana; nanomboka nivejivejy ary nangataka tamin'olo ba hitantagna anajy amin'ny tagnana. 12Laha efa avy nahita ireo raha nitranga ny governera, die nino ijy, satria jendagna tamin'ny fampenarana makasikan'ny Tompo ijy.13Ary Paoly sy ny akamany die nenga nesambo avy agny Pafosy nenga agny amin'ny Perga agny Pafilia. Fa Jaona koja die nandao anajy ireo ary nipody tagny Jerosalema. 14Paoly sy ireo akamany die nenga avy tagny Perga ary nenga Antiokan'i Pisidia. Ary tao die nenga tagny amin'ny synagoga tamin'ny andron'ny Sabata ijy ireo ary nipetraka. 15Tafaran'ny famakena ny lalàgna sy ny mpaminagny, die nandefa hafatra tagny amin'ijy ireo ny mpitariky ny Synagoga nijaka hoe: ''Ry rahalahy, raha managna hafatra fampaherejana hôn'ny olo eto anareo, die jakay ijany.''16Ka nitsangagna Paoly ary nagnano fihetsika tamin'ny tagnany, nijaka hoe: ''Ry olon'Israely sy anareo je magnome voninahitra an'Andriamanitra, mitenoa. 17Ny Andriamanitry ny olon'Israely die nisafidy ny iabantsena ary nampitombo isa ny olo manontolo nipetraka tao amin'ny tanin'ny Egypta, ary tamin'ny fanandratana ny sandriny no nitarihany anajy ireo hivôka tao. 18Ary nandritry ny efapolo taogna teo ho eo no nandeferany anajy ireo tagny agnefitra. (Fagnamarihana: ''Ny dikanteny taloha die mivaky hôtran'ijao: ''Nandritry ny efapolo taogna eo ho eo die niahy anajy ireo tagny angnefitra ijy.'')19Ary laha efa avy nandrava tanàna fito tagny amin'ny tany Kanana ijy, die nameny an'ny vahôkantsena ny tanin'ijy ireo ba ho lova.20 Ijany raha manontolo nitranga ijany die efa tamin'ny faha dimampolo sy efa-jato taogna. Tafaran'ny ijany, Andriamanitra nagnome mpitsara anajy ireo mandra-pieven'i Samoela mpaminagny.21Die nangataka mpajanka ny olo aviteo, ary Andriamanitra nagnome anajy ireo an'i Saoly janaka lahin'i Kisa, lelahy ijay avy amin'ny fokon'i Benjamina, ba ho mpajanka mandritry ny efapolo taogna. 22Aviteo Andriamanitra nangala anajy teo amin'ny fanjakany, ka nanandratra an'i Davida ba ho mpajakan'ijy ireo. Fa ijany no nijakain'Andriamanitra mahakasika an'i Davida hoe: ''Efa nahita an'i Davida janak'i Jesea aho ba ho olon'ny foko, ijay hagnano ijay rehetra tieko hamboarine.23Fa avy amin'ny taranak'io lelahy io no hitondran'Andriamanitra mpagnavotra ho an'Israely, die i Jesosy, araka ijay efa nampagnantenainy hamboarina. 24Nanomboka niseho ijany, talohan'ny nieven'i Jesosy, Jaona nagnambara vôlohany tamin'ny vahôkan'Israely manontolo momba ny batisan'ny fibebahana. 25Satria Jaona efa nahavita ny asany, die hoy ijy: ''Ija no ieritreretanareo anahy? Tsy aho le ijy. Fa tenoy, hisy raika ho avy afarako, ary ny kiraron'ny hongony die tsy hahamendrika anahy ny hamaha anajy.26Ry rahalahy, janaka avy lahatamin'ny taranak'i Abrahama, ary ijay midera an'Andriamanitra manontolo eo aminareo, hôntsena no nandifasana ijany hafatra makasikan'ny famonjena anijany. 27Fa ireo ijay mipetraka agny Jerosalema, sy ny mpitondra an'ijy ireo, die tsy nahafantatra anajy, ka tanterak'ijy ireo ny vôlajan'ny mpaminagny ijay vakiana isan'sabata ny amin'ny fagnamelohana anajy.28Na die tsy mahita antony tsara hamonôna anajy aja ijy ireo, die nangataka tamin'i Pilaty mandy ba hamono anajy. 29Laha efa tanterak'ijy ireo ny raha manontolo ijay vôsoratra mahakasika anajy, die nampidignin'ijy ireo tegny amin'ny hajo Ijy ary nampatoreny tao am-pasagna.30Fa Andriamanitra koja nampitsangagna anajy tamin'ny maty. 31Ary hitan'ireo ijay niara-niakatra taminy avy tagny Galilia menga agny Jerosalema ijy nandritry ny andro rahabe. Ary ankehitriny die ireo olo ireo no vavolombelona hôn'ny olo.32Noho ijany ahay mijaka aminareo ny filajan-tsara ijay nampagnatenain'Andriamanitra tamin'ny iabantsena ijay efa tanteragny hôntsena, 33Janak'ijy ireo, tamin'ny nanaganany an'i Jesosy. Arak'ijay efa vôsoratra ao amin'ny salamo faharoa hoe: ''Janako anao, niany die hanjary Iabanao aho.' 34Ny antony nanaganana anajy tamin'ny maty die tsy hahasimba mandrakijay ny vatagny, Andriamanitra nijaka hôtran'ijao: 'Hameko anareo ny fitahena masigna ajo antoka nampagnatenain'i Davida.'35Ijany koa no nahatonga anajy nijaka tao amin'ny salamo hafa hoe: ''Tsy nagnavela ny fagnahy masina hahita ny lo anao.'' 36Satria laha efa nagnatanteraka ireo fagniren'Andriamanitra hôn'ny taranagne i Davida die resin-tory ijy, ka nampandreny niaraka tamin'ireo iabany ijy ary ny vatagny niharan'ny fahalavôna. 37Fa ijy jay natsangagn'Andriamanitra die tsy niharan'ny faharavana.38Ka ôka ho fantatrareo ijany, ry rahalahy, fa tamin'ny alalan'io lelahy io no nagnambarana taminareo ny famelana ny fahotana. 39Amin'ny alalany ny olo tsiraidraike ijay mino die vômarina amin'ny raha manontolo ijay mety tsy ho vômarin'io lalàn'i Mosesy io.40Ka mitandrema ba tsy hiseho aminareo je raha nijakain'ny mpaminagny hoe: 41''Indro, anareo ry mpagnano tsinotsinona, die ho jendagna ary ho levogna. Fa aho Magnano asa amin'ny andronareo, Asa ijay tsy ninônareo mihitsy, na die misy olo magnambara anajy aminareo aja.''42Laha efa nenga i Barnabasy sy Paoly, die nengavy anajy ireo ny olo ba hitoren'ijy ireo, ireo jaka ireo mandy amin'ny sabata magnaraka. 43Laha efa tapitra ny fivorena tao amin'ny Synagoga, die rahabe tamin'ireo Jiosy sy ireo proselita mahafatra-po no magnaraka an'i Paoly sy Barnabasy, ijay nijaka tamin'ijy ireo sy nampirisika anajy ba hanohy ao amin'ny fahasoavan'Andriamanitra.44Tamin'ny sabata magnaraka, die hôtran'ny tanàna raika manontolo no niaraka nivavaka ba haharegny ny jakan'ny Tompo. 45Laha efa nahita ireo vahôkan'ny Jiosy, die feno felognana ijy ireo ary nijaka nanohitra ireo raha ijay nijakan'i Paoly sy nagneso anajy.46Fa Paoly sy Barinabasy nijaka tamipahasahena ary nilaja hoe: ''Ilaina ho vôlaja aminareo meloha ny jakan'Andriamanitra. Fa laha efa manosika anijany anareo ary mihevitra ny tegnanareo ho tsy mendrika ny fiaignana mandrakijay, die ijao, hipody agny amin'ny Jentilisa ahay. 47Araka ijay efa nandidien'ny Tompo anay, magnano hoe: ''Napetrako ba ho fahajavan'ny Jentilisa anareo, ijany no tokony hitondranareo famonjena hôn'ireo ijay agny amin'ny fara-vajan-tany.''48Laha naharegny anijany ny Jentilisa, die faly sy nidera ny jakan'i Tompo. Ary rahabe ireo ijay vôtendry hômin'ny finôna ny fiaignana mandrakijay no mino. 49Ary ny jakan'ny Tompo die niparitaka eraky ny faritra manontolo.50Fa ny Jiosy koja die nampirisika ireo viavy mahafatra-po sy manan-danja, sy ireo lelahy mpitarika tao an-tanàna. Niteraka fagnijehana hôn'i Paoly sy Barnabasy ijany ary nanipy anajy ireo ho agny ivelan'ny sisin-tanin'ny tanàna. 51Fa Paoly sy Barnabasy nagnintsagna ny bontany tamin'ny hongotr'ijy ireo ba hanoherana anajy ireo. Ary aviteo ijy ireo die nandeha amin'ny tanànan'i Ikoniama. 52Ary ny mpianatra die feno hafalena sy ny Fagnahy Masigna.Chapter 14
1Ary tamin'ijany tao Ikonioma Paoly sy Barnabasy niara-niditre tao amin'ny Synagogan'ny Jiosy ka nivoria tami-pahavitrihana ary ny vahôke rahabe Jiosy sy Grika die nino. 2Fa ny jiosy ijay tsy nankato koja die nagnakorontana ny fisainan'ny jentilisa ka nahatonga an-dreo hanohitre ireo rahalahy.3Ka nidoboke ela teo areo, nijaka am-pahasahiana niarake tamin'ny herin'ny Tompo, tamin'ny nagnomejany porofo mahakasike ny hafatre ny amin'ny fahasoavane. Ijy nanagna an'ijane tamin'ny alalan'ny famantarana sy fahagagana ijay natao tamin'ny alalan'ny tanan'i Paoly sy Barnabasy. 4Fa ny ankamaroan'ny tanàna die nijarajara: ny olo saragne niandagne niarake tamin'ireo apostoly.5Laha nagnandragna sy nandresy lahatre ny mpitarika an-dreo ny jentilisa sy ny jiosy mba hamono sy hitily vato an'i Paoly sy Barnabasy, 6die nanjary nivony areo ary nilefa malaky tao an-tanànan'ny Lykonia, Lystra sy Derbe, ary ireo tanàna magnodidina ny faritre, 7ka tagne areo no nagnambara ny filanjantsara.8Nisy lelahy raike nipetraka tao Lystra, maleme ny tongone, hatagne an-trokan'ny endrine, ijay efa tsy nandeha hatramin'ijay. 9Io lelahy io no naharegne an'i Paoly nijaka. Paoly nagnatrika an'ajy tsara teo amin'ny masone ka nahita fa managna finôna ho sitragna ijy. 10Koa nljaka tamin'aje ijy tamin'ny feo mahare hoe:' Mitsangana amin'ny tongotrao." Avy eo ilay lelahy die nitsambikimbikigna ary nandeha teo amin'ny magnodidina.11Laha nahita ijay nataon'i Paoly ireo vahôke rahabe die nanadratre ny feony areo, nijaka tamin'ny jaka Lykonia hoe:" Nijotso laha tagne an-danitre ho amintsena amin'ny endrik'olo ireo andriamanitra."12 Nagnatso an'i Barnabasy areo hoe " Jopitera", ary Paoly " Merkory", satria ijy no mpikabary.13 Ny mpisorogn'i Jopitera, ijay ny tempoly die teo ivelagn'i tanàna, die nitondra aombe sy fehiloha vy teo am-bavahade; ijy sy ny vahoke rahabe nikasa hagnome sorogna.Fa ny apostoly, Barnabasy sy Paoly, laha naharegne ijane die nandrovitre ny akanjone areo ka nadeha nalaky ho ao agnaty vahôke, nitaraigna sy nijaka hoe: Ry lelahy, nahôna anareo no magnano an ijao raha ijao? ahay mandy koa die olombelogna mitovy fahatsapana aminareo mandy. Ahay mitondra ny filanjantsara ho anareo, mba hitodihanareo hiala amin'ijao java-pôgna ijao ho agny amin'Andriamanitra velogna, ijay nagnano ny lanitre, ny tany, ary ranomasina sy ny raha abiaby ijay ao amin'aje. Tamin'ny andro taloha, Ijy die namela firenena abiaby nandeha tamin'ny lalagne manokagna aby.17Kanefa, Ijy die tsy namela ny tegnany tsy hisy vavolombelogna, tao amin'ijane die nagnano ny tsara Ijy ary nagnome anareo ranon'erike avy agne an-danitre sy vanim-potoana mahavokatre, ka hameno ny fonareo amin'ny hanina sy firavoravoana. 18Fa na die tamin'ijany jaka ijany aja, Paoly sy Barnabasy die tsy miegnina nitagna ny vahôke rahabe tsy hagnano sorogna ho an-dreo.19Fa ny Jiosy saragne avy ao Antiokia sy Ikonioma die avy ary nandresy lahatre ny vahôke. Areo nitily vato an'i Paoly sy nitarike an'aje hivôke ny tanàna, ary nieritreritre fa maty ijy. 20Ary laha mbola nitsangagna nagnodidigna an'ajy teo ireo mpianatre, die nitsangagna ijy ary niditre ny tanàna. Ny ampitso, die nandeha nenga agne Derbe niaraka tamin'ny Barnabasy ijy.21Avy eo areo nagnambara ny filanjatsara tao amin'ijany tanàna ijany ka nahajo mpianatre rahabe, niverigna tao Lystra areo, tagne Ikonioma, sy tagne Antiokoia. 22Areo die nanohe nampahere ny fagnahin'ireo mpianatre ary namporisike an'aje mba hanohy ao amin'ny finoana, no sady nilaja fa :" Tsy mentsy ao amin'ny fahoriana marobe nohidirantsena ao amin'ny fanjakan'Andriamanitra."23Laha nanendre loholona ho an'aje ireo teo amin'ny isam-piangonana areo, sy nivavake tamin'ny fifadian-kanina, die natolo-dreo ho an'ny Tompo ijane, ijay ninoan-dreo.24 Die nandalo tamin'ny Pisidia areo ka tao Panfilia. 25Laha nagnambara ny teny tao Perga areo, dia nandeha nijotso tany Atalia. 26Avy tagne areo no niantsambo nidigna ho any Antokia, ijay nahajoan-dreo ny fahasoavan'andriamanitra ho an'ny asa vitan-dreo ankehitriny.27Laha avy tao Antiokia areo ary nagnangona niaraka ny fiangonana, die nitatitra ny raha abiaby ijay vitan'Andriamanitra tamin-dreo, sy hoe ahôna no namohane ny varavaran'ny finôna ho an'ireo jentilisa. 28Die nijanogna fotôgna ela niarake tamin-ireo mpianatre areo.Chapter 15
1Ny olo sasagny die nidigna avy tagny Jodia hatragny Antioka ary nampianatra ireo rahalahy, ka nijaka hoe: "Laha tsy vita famorana araka ny fomban'i Mosesy anareo, die tsy ho vôvonjy anareo." 2Ijany die nitondra an'i Paoly sy Barnabasy tao agnaty fifampizizôna sy ady hevitra tamin-dreo. Noho ijany i Paoly sy Barnabasy die vôtendry niaraka tamin'ny sasagny hafa tamin'ijy ireo hiakatra agny Jerosalema ba hihaogna amin'ireo apôstôly sy ireo loholona mahakasika an'ijany fagnotanena ijany.3Noho ijany areo, nalefan'ny fengonana, die namakivaky an'i Foinika sy Samaria ary nagnambara ny fiovam-pon'ireo Jentilisa. Ijy ireo die nitondra fafalena lehibe tamin'ireo rahalahy manontolo. 4Laha efa avy teo Jerosalema areo, die niresin'ny fengonana sy ireo apôstôly ary ireo loholona, ka nitatitra ireo raha manontolo ijay namboarin'Andriamanitra tamin-dreo.5Nefa ny olo sasagny ijay nino, ijay tao amin'ny tarik'ireo Fariseo, die nitsangagna sy nijaka hoe: "Ilaina ny manao famorana anajy ireo sy ny ny mibeko anajy ireo, hitandrigna ny lalàn'i Mosesy." 6Noho ijany ireo apôstôly sy ireo loholona die niaraka nivory ba handinika ijany raha-misy ijany.7Tafaran'ny ady hevitra be, nitsangagna i Petera ka nijaka taminajy ireo hoe: Ry rahalahy, fantatrareo fa efa taloha ela be Andriamanitra no efa nagnabela ny safidiny teo aminareo, ba ho amin'ny alalan'ny vavako die tokony haharegny ny tenin'ny filajantsara ireo Jentilisa, ary hino. 8Andriamanitra, ijay mahalala ny fo, vavolombelogna amin'ijy ireo, nagnome ny fagnahy Masina anajy ireo, hôtrany namboariny tamintsena; 9ary tsy nagnano fagnavakavahana tamintsena sy tamindreo Ijy, nagnadio ny fondreo tamin'ny finôna.10Ary noho ijany, nahôna anareo no mitsapa an'Andriamanitra, hoe tokony mamitahanareo joga eo amin'ny vojogn'ireo mpianatra nefa na ny rajantsena na antsena aja tsy mahavita milanja? 11Nefa mino antsena fa ho vôvonjy amin'ny alalan'ny Tompo Jesôsy, tahaka anajy ireo mandy koa."12Ny olo manontolo die nitagna ny fahanginana nandritry ny nihôgnan'ijy ireo tamin'i Barnabasy sy Paoly mitatitra ireo famantarana sy ireo fahagagana nesan'Andriamanitra ijay niasa tamin'ireo Jentilisa tamin'ny alalan'ijy ireo.13Laha efa nijanogna nivoria ijy ireo, die namaly Jakoba, nijaka hoe: "Ry rahalahy, tenoy aho, 14I Simeona die efa nagnambara ny fomba nagnampen'Andriamanitra tamim-pahasoavana vôlohany ireo Jentilisa ba hangala amin'ijy ireo olo ho an'ny agnarany.15Ireo jakan'ireo mpaminangny die mahakasika an'jany, araka ny vôsoratra hoe: 16'Afaran'ireo raha ireo die hipody aho, ary hanangagna indraika koa ny tragnolain'i Davida aho, ijay efa nidaraboka; Hagnambôtra sy hamerigna amin'ny lôniny indraike ireo faharavany aho, 17ba handremby ny Tompo ireo olo sisa tavela, ao agnatin'ijany ireo Jentilisa manonontolo ijay angihina amin'ny agnarako.' 18Ijao no nilajain'ny Tompo, ireo ijay efa nagnano an'ireo raha ireo ijay efa fantatra tamin'ireo rajambe taloha. (Fagnamarihana: Ireo dika-teny sasagny taloha die mivaky hôtran'ny jao: "Ijao no nilajain'ny Tompo, amin'ireo ijay fantatra tamin'ny andro taloha ny asany manontolo.)19Noho ijany ny hevitro die, tsy tokony hagnankorontagna ireo avy amin'ny Jentilisa ijay niherika tamin'Andriamanitra antsiena.20 Fa antsiena die hanoratra hônaje ireo fa tsy mentsy miala amin'ny fahalotôn'ireo sampy ijy ireo, amin'ny fahavetavetana, ary amin'ireo henan'ireo biby vôkenda, sy amin'ny rà ijy ireo. 21Satria Mosesy die efa vôlaja tamin'ny isan-tanàna tamin'ny andro taloha ary ijy die vakina ao amin'ireo Synagoga isaky ny Sabata."22Die hôtrany tsara tamin'ireo apôstôly sy ireo loholona, niaraka tamin'ny fengonana manontolo, ny hifidy an'i Joda ijay angihina hoe Barnabasy, sy i Silasy, ijay mpitarika ny fengonana, sy ny handefa anajy ireo agny Antokia miaraka amin'i Paoly sy Barnabasy. 23Ijy ireo die nanoratra an'itoy : "Hatragny amin'ireo apôstôly sy ireo loholona, ireo rahalahinareo, hatramin'ireo rahalahy avy agny Jentili agny Antiokia, Siria, ary Kilikia: Arahaba!24Antsena die efa naharegny fa ireo olo saragne die niala tamintsena, tsy nisy beko lahatamintsena, ary nagelingeligna anareo tamin'ireo fampenarana ijay nampikorontagna ny fagnahinareo. 25Ijao no ijy, ahay manontolo die efa nagneky ny hifidy ireo lelahy sy handefa anajy ireo agny aminareo miaraka amin'i Barnabasy sy Paoly sakejany, 26lelahy ijay nagnano ny aigny tsy ho javatra hôn'ny agnaran'i Jesôsy Kristy Tompotsena.27Noho ijany ahay die magniraka an'i Joda sy i Silasy, hilaja aminareo io raha io mandy amin'ny fijakandreo manokagna.28 Fa hôtrany tsara amin'ny fagnahy Masina sy aminay, ny tsy hampitondra anareo entagna lehibe noho ireo raha tena ilaina ireo: 29ba helanareo amin'ireo raha namboarinareo ho fagnatitra amin'ireo sampy, rà, ireo raha vôkenda, ary avy lahatam'ny fahavetavetana. Laha mitandrigna ny tegnanareo amin'ijany anareo, die ho tsara aminareo ijany. Tsaramandry."30Noho ijany ijy ireo, laha efa vôrôka, die nidigna tagny Antiokia, aviteo ijy ireo die namory ny vahôka niaraka, ary nagnome ilay taratasy ijy ireo. 31laha efa vôvakindreo ijany, die nifaly areo nohon'ny fampaherejana.32 Joda sy Silasy, mpaminagny ihiany koa, die nankahery ireo rahalahy tamin'ny jaka rahabe sy nampahery andreo.33Laha efa nijanogna fotôgna vitsivitsy tao ijy ireo, die nalefa am-pedanana avy amin'ireo rahalahy ho agny amin'ireo ijay nandefa anajy ireo ijy ireo.34[Fagnamarihana: Ny dikan-teny tsara tranainy indridra die mangala ny andigniny faha 34 (Jahay ny Asa 15:40): Nefa bola satrin'i Silasy ny hijanogna teo."] 35Fa i Paoly sy Barnabasy die nijanogna tagny Antiokia niaraka tamin'ireo maro hafa, ijay nampenarin'ijy ireo sy nagnambarandreo ny tenin'ny Tompo.36Tafaran'ny andro vitsy i Paoly die nijaka tamin'ny Barnabasy hoe: "Andao antsena hiverigna ankehitriny ary hamangy ireo rahalahy agny amin'ny tanàna manontolo ijay nagnambarantsena ny jakan'i Tompo, ary hahita hoe magnano akory ijy ireo." 37I Barnabasy die te hitondra an'i Jaona mandy koa, ijay nangihina hoe Marka hiaraka amin'ijy ireo. 38Nefa i Paoly nihevitra fa tsy tsara ny hitondrana an'i Marka, ijay nandao anajy ireo tagny Panfilia sy tsy nanohy niaraka niasa tamin'ijy ireo niasa.39Aviteo die nisy fifamalena mahare, ka nisaraka ijy ireo, ary i Barnabasy nitondra an'i Marka niaraka taminajy ary nandeha sambo nenga tagny Sipra. 40Fa i Paoly nifidy an'i Silasy ary nengà, tafaran'ny nagnomejan'ireo rahalahy anajy andrekitra hôn'ny fahasoavan'ny Tompo. 41Aviteo ijy die nenga namakivaky an'i Syria sy i Kilikia, ka nampantajaka ireo fengonana.Chapter 16
1Avy tagny Derbe sy Lystra mandy ihany koa Paoly, ary kay, teo ilay mpianatre raike antsovana hoe Timoty, janaka lahin'ny viavy Jiosy ijay nino; Grika ny iabane.2 Ijy die tsara laja tamin'ny rahalahine ijay tagny Lystra ary Ikonioma. 3Tian'i Paoly hiara-dia aminajy ijy; die nalainy ijy ary noforaine noho ny Jiosy ijay teo amin'io toerana io, satria fantan'dreo manontolo fa Grika iabane.4Laha nandeha namakivaky ny tanàna maro areo, die nanolotra toromarika hôn'dreo mpino mba hagnaraka ny fampenarana, ijay nosoratan'ny Apostoly sy ny loholona tao Jerosalema. 5Ka niha-natanjaka tamin'ny finôna ny fengonana ary nitombo isa asan'andro.6Nandeha namakivaky ny faritry ny Frygia sy Galatia Paoly sy ny akamane, satria niraran'ny Fagnahy Masina areo hagnambara ny teny agny amin'ny faritr'i Asia.7 Laha efa niditre nagnakeky an'i Mysia, te-handeha ho agny Bitynia ijy areo, nefa nisakanan'ny Fagnahin'i Jesôsy areo.8 Ka nandalo tamin'i Mysia, die nandeha nidigna tagny amin'ny tanàna an'i Troasy areo.9Nahita fahitana i Paoly tamin'ny aligna: lelahy raike Makedoniana nitsangagna teo, nangaike anajy ary nijaka hoe: "Avia atoy Makedonia ary vonjeo ahay."10 Laha efa avy nahita ny fahita i Paoly, die niainga hahajo an'i Makedonia avy hatragny ahay, nahatsapa fa Andriamanitra no nangaike anay mba hitory ny filajantsara amin'dreo.11Nentsambo noho ijany avy agny Troasy, die nijotre mahitsy ho agny Samatrikia ahay, ary nahajo an'i Neapolia ahay ny andro magnarake.12 Avy teo die nandeha agny Filipy ahay, ijay isan'ny tanàna Makedonia, ijay tanàna manan-danja indrindra ao amin'ny faritre sy ny janan-tany Romanina, ary nijanogna tao amin'ijany tanàna ijany nandritry ny andro maro ahay.13 Tamin'ny andron'ny Sabata die nandeha tagny ivelan'ny vavahady marinin'ny renirano ahay, ijay nieritreretinay fa misy toeram-pivavahana. Nipetraka ahay ary niresaka tamin'ny viavy ijay niara-tonga teo.14Nisy Viavy raike atao hoe Lydia, mpivaro-damba volomparasy avy agny amin'ny tanànan'i Tyatira, ijay nanompo ny fony ny Tompo hitandrigna ny teny ijay nolajain'i Paoly. 15Laha efa vita batisa ijy sy ny ankohonane, die namporisike anay ijy, nijaka hoe: "Laha nitsara anahy ho mahatoky amin'ny Tompo anareo, die midira ary mipetraha ao an-dragno." Ary nandresy lahatre anay ijy.16Ary tamin'ijany, laha nandeha agny amin'ny toeram-pivavahana ahay, die nisy tohovavy raike ijay managna fagnahin'ny sikidy nifanojo taminay. Nitondra tombony be ho an'ny tompony tamin'ny alalan'ny sikidy ijy. 17Nagnaraka anay sy Paoly avy ao afara io viavy io ary nangaika mahare, nagnano hoe:"Io lelahy io die mpanompon'Andriamanitra Avo Ndrindra. Magnambara aminareo ny lalam-pamonjena areo." 18Nagnano ijay nandritry ny andro maro ijy. Fa i Paoly die nanomboke vignitre taminaje ka nitodika ary nijaka tamin'ny fagnahy hoe: "Mandidy anao amin'ny anaran'i Jesôsy Kristy iaho mba hivôka ao aminaje." Ary nivôka avy hatragny ijany.19Laha efa hitan'ilay tompony fa lasa ilay fangnatinana ny amin'ny antombony hônajy ireo, die nisamborindreo i Paoly sy Silasy ary nitarihindreo ho agny an-tsena teo agnatrehan'ireo manam-pahefana. 20Laha efa nitondra anajy ireo teo agnatrehan'ireo mpitsara ijy ireo, die nijaka hoe: "Magnakorontagna ny tananàntsena ireto lelahy ireto. Jiosy areo ito. 21Magnabambara fomba ijay tsy ara-dalàna hôn'ny Romanina ny magneky na mampihantra anijany ijy ireo."22Die nitsangagna ny vahôka nanohitre an'i Paoly sy Silasy; nangala ny lamban'dreo ny mpitsara ary nandidy andreo mba hifihine amin'ny hajo. 23Laha efa nifihin'dreo mafy areo, die nalefan'dreo agny an-dragnomejigna ary nandindy ny mpiandry tragnomejigna mba hiambigna mafy andreo. 24Laha efa nahavôray ijany didy ijany ny mpiambigna, die nalefany tagny amin'ny farany laligna indrindra amin'ny figadrana areo ary nifehejine teo amin'ny hajo ny tongotran'dreo.25Nagnodidigna ny misasak'aligna die nivavake i Paoly sy Silasy ary nihira fiderana an'Andriamanitra, ary ny gadra hafa die niheno an'dreo. 26Tampoka teo die nisy horohorontany lehibe, ka nampihojongojogna ny fototry ny fonja; ary nisokatre avy hatragne ny varavaragna manontolo, ary nivaha ny fatotrin'ny olo manontolo.27Taitre tamin'ny torimaso ny mpiandry ny tragnomejigna ary nahita ny varavaragnan'ny fonja nivoha; namôke ny sabatrane ijy ka seka hamono ny tegnane.28 Fa nangaike tamin'ny feo mahare Paoly, nagnano hoe: "Aja mandratre ny tegnanao, satria ato daholo ahay manontolo."29Nampangaika Jiro ny mpiandry tragnomejigna ary niditre malaky tao anatine, tora-kovitre noho noho ny tahotre, nihohoke teo alohan'i Paoly sy Silasy, 30ary nitondra an'dreo nivôke sy nijaka hoe: "Tompoko, ino no tsy mentsy hataoko mba ho vôvonjy?" 31Hoy areo hoe: "Minoa an'i Tompo Jesôsy, die ho vôvonjy anao, anao sy ny ankohonanao."32Nitory ny tenin'ny Tompo taminaje areo, niarake tamin'ny olo manontolo tao an-dragnone.33 Avy teo die nandray areo tamin'ny aligna tamin'igny ora igny mandy ny mpiandry fonja, ary nanasa ny ferin'dreo, ary ijy sy ny rehetre tao amin'ny tragnony raike manontolo die natao batisa teo no ho eo.34 Avy teo die nindôsiny niakatre tao an-dragnony i Paoly sy Silasy ary nandroso sakafo teo alohan'dreo ijy, die nifaly tokôtre ijy niaraka tamin'ny ijay tao an-dragnone, fa efa nino an'Andriamanitra ijy.35Ary laha efa maraigna ny andro, die nandefa teny tamin'ny mpiambigna ny mpitsara, nijaka hoe: "Abilao handeha io lelahy io." 36Nitatitra ijany teny ijany tamin'i Paoly ny mpiambigna, nijaka hoe: "Nampitondra teny taminahe ny mpitsara mba hamela anareo handeha: noho ijany ankehitriny mivoaha, ary mandihana am-piadanana."37Fa nijaka tamin'dreo Paoly hoe: "Namioke anay ampahibemaso tsy nisy fitsarana areo, na die mijàka ny zom-pirenena Romanina aja ahay_ary nalefan'dreo tao am-pigadrana. Ankehitriny die tien'dreo ho alefa an-tsokotsoko ve ahay? Tsia! Ôka ny tegnan'dreo no ho tonga eto sy hitarika anay hivôke." 38Nitatitra ijany teny ijany tamin'ny mpitsara ny mpiambigna, ary laha vô naharegne areo fa romanina i Paoly sy Silasy, die natahotra areo. 39Tonga sy nialatsigny tamin'dreo ny mpitsara ary nitondra an'dreo mba hiala ao an-tanàna.40Ka niala tao an-dragnomejigna i Paoly sy Silasy ary nandeha an-dragnon'i Lydia. Laha efa nahita ny rahalahy i Paoly sy Silasy, die nampahere an'dreo ary avy teo die niala tao an-tanàna areo.Chapter 17
1Ary laha nandalo ireo tanànan'ny Anfipolia sy Apolonia areo, die tonga tao amin'ny tanànan'i Tesalonika areo, ijay nisy Synagogan'ny Jiosy. 2Paoly, araka ny fomba fataony die nandeha eo amin-dreo, ary niady hevitra niaraka tamin-dreo avy ao amin'ny Soratra Masina nandritra ny andro Sabata3Nosokafany ny Soratra Masina ary najavainy fa nilain'i Kristy ny nijaly sy hitsangana indraike amin'ny maty. Hoy ijy hoe:" Io Jesösy ijay atoroko anareo io no Kristy." 4Resy lahatre ny saragne tamin'ireo Jiosy ary nagnarake an'i Paoly sy Silasy, anisan'izany ireo mpivavaka Grika maro an'isa, ary tsy vitsy ny viavy mpitarike5Fa ireo Jiosy tsy mpino nenti-pialonana die nangala ireo olo ratsy fanahy avy lahatagny an-tsena, nagnangona niaraka ny vahöke, ary nampitabataba ny tanàna. Nanafika ny tragnon'i Jasona, te hitondra an'i Paoly sy Silasy hiala ny vahöke areo. 6Fa laha tsy hitany areo, die notarihin-dreo i Jasona sy ny rahalahy hafa saragne ho eo anoloan'ny manam-pahefanan'ny tanàna, nitomany, Ireto lelahy ijay nampitsimbadika ijao tontolo ijao ireto die tonga eto mandy koa. 7Ireto lelahy ijay nampandrosoan'i Jasona ireto die manohitre ny didin'i Kaisara; mijaka areo fa misy mpanjaka hafa die i Jesôsy.8Vôelingeligna ny fokon'olo sy ny manam-pahefana teo amin'ny tanàna raha naharegne jao raha jao. 9Fa raha eo ny manam-pahefana nampanao sy nampan-doa vola an'i Jasona sy ny ambiny mba ho antoke, avy en an-dreo namela an-dreo handeha an-dreo.10Nalefan'ny rahalahy tagny Beria ny aligna igny i Paoly sy Silasy. Rehefa tonga tagne an-dreo, die niditre tao amin'ny synagogan'ny Jiosy.11 Die ny olo reo die manakasine tokôtre noho ny agny Tesalonika, fa nadray ny jaka tam-pahavognonan'ny saina aby an-dreo, nandinike ny Soratra Masina isan'andro mba hahita raha tena ijay tokôtre ny raha iregny. 12Noho ijay die maro tamin-dreo no nino, tao agnatin'ijay viavy Grika manan-kaja sasane sy lelahy rahabe.13Fa ny Jiosin'ny Tesalonika rehefa naharegny fa i Paoly die nagnambara ny tenin'Andriamanitre tao Beria mandy koa, die nenga tegny an-dreo die nampitabataba sy nampikorotagna ny vahôke.14 Ary Tonga die, ny lelahy nandefa an'i Paoly ho agny an-dranomasina, fa i Silasy sy i Timoty nijanogna teo.15 Ny ijay nitarike an'i Paoly nitondra anajy lahatagny amin'ny tanànan'i Atena. Raha nagnabela an'i Paoly teo an-dreo, die nandray torolalagna laha taminajy ho an'i Silasy sy Timoty mba henga aminajy malaky farany die malaky.16Die raha nadigny an-dreo tagny Atena i Paoly, die vay tagnatine ny fagnahine rzha vô nahita ny tanàna feno sampy. 17Ka niady hevitre tao amin'ny synagoga niarake tamin'ny Jiosy sy ny hafa ijay nanompo an'Andriamanitre ijy, hôtran'ijay koa ny tao amin'ny toeran'ny raharaham-barotre niarake tamin'ireo ijay teo.18Fa ny saragne tamin-dreo filojofa Epikoreana sy Stoika mandy koa nifanapake taminajy. Ny saragne nijaka hoe: ''Ino no tian'io be voria io ho jakaina? '' Ny hafa nijaka hoe: '' Toa ohatran'ny raike jay magnasa ny olo hagnarake ireo Andriamanitre hafahafa ijy,'' satria nitory an'i Jesôsy sy ny fitsangnana amin'ny maty ijy.19Nangala an'i Paoly an-dreo die nitondra anajy tao amin'ny Areopago, nijaka hoe: ''Afake mamantatre ijany fampenarana vaovao ijay nojakainao ijao ve ahay?20 Fa mitondra raha hafahafa tsy regnin'ny tadigninay anao. Noho ijany, te hahafantatre ny dikan'ijany raha ijany ahay.''21 (Die ny Atenina raimanontolo sy ny vahiny nipetrake die nandany ny fotognane tamin'ny tsy nisy mandy koa tamin'ny filazana na fitenoana momban'ny java-baovao.)22Ka nitsanganateo agnivon'ny Areopago i Paoly die nijaka hoe: ''Anareo lehilahin'i Anteniana, hitako fa tena relijiojy amin'ny fomba manontolo anareo. 23Fa raha nandalo iaho die nandinike ny tanjognan'ny fompa fanompoam-pivavahanareo die nahitana alitara iaho misy ny soratre ty hoe: '' Ho an'Andriamanitre Tsy fantatre. ''Ino noho ijany no hivavahanareo ao amin'ny tsy fahalalana, ijay no jakaiko aminareo.24Ny Andriamanitre ijay nagnambotre ijao tontolo ijao sy ny raha-abiaby eo aminajy. Satria Tompon'ny lagnitre sy ny tany Ijy, tsy mipetrake ao agnaty tempoly voaorigna tamin'ny tanana. 25Na ijy tsy notopoina tamin'ny tanan'olo, hôtra ny nila raha ijy satria ijy tokôtre no magnome fiaignana ny olo sy ny fofon'aigna die ny raha hafa abiaby.26Laha tamin'olo raike no nagnanôvana ny firenena abiaby ho an'ny olo mba hiagna eo ambonin'ny tany namiratre ny vanim-potôgna an-dreo sy nanendry ny toera-ponegnana die ny andro iaignan'ireo,27 Ka mba tokone handrembe an'Andriamanitre an-dreo, laha hôtra ka mety hatratre sy hahita Anajy an-dreo. Fany mbola tsy lavitre antsena tsirairay aby ijy.28Satria antsena die mivelogna sy mihetsike die managna ny maha-ijy antsena, hotra ny nijakain'ny raike amin'ny mpanao tonokalonareo manokana hoe: ''Fa taranagny mandy koa antsena.'' 29Noho ijay, satria janak'Andriamanitre antsena, antsena die tsy tokone hieritreritre fa ny hatsaran'ny fombane die mitovy amin'ny volamena, na volafotsy, na sary vongana ijay niforognina laha tamin'ny asa tanagna sy aingam-panah'olombelona.30Noho ijay die nadinoi''Andriamanitre ny fotoan'ny tsy fahalalana, fa amijao mandidy ny olo abiaby egny abiaby egny mba hibebake ijy.31 Ijany no ijy satria nametra andro ijy hoe amin'ny vena no hitsara an'ijao tontolo ijao amin'ny fahamarinana amin'ny alalan'olo ijay nifidine. Nagnome porofon'io lelahy io tamin'ny olo tsiraidraike tamin'ny alalan'ny fananganana anajy tamin'ny maty Andriamanitra .32Die raha naheregny ny fitsanganana amin'ny maty ny olon'i Atena, die nagnaraby an'i Paoly ny sasane; fa ny sasane nijaka hoe: '' Hiteno anao indraike momba ijany raha ijany ahay.'' 33Tafaran'ijay nandao an-dreo i Paoly. 34Fa sasane tamin'ny olo nagnarake anajy ary nino, tao agnatin'ijay i Dionysio Aeropagita, viavy angihina hoe Damary, die ny sasane niarake tamin-dreo.Chapter 18
1Ary tao afaran'ireo raha ireo Paoly die nienga tao Atena ary negnagne Korinto.2 Nifankatojo tamina Jiosy angihina hoe Akoila tao ijy, jana-tany Ponto, ijay vô tonga avy tagne Italia niaraka tamin'i Prisila vadine, satria i Klaodio nandidy ny Jiosy abiaby hienga tao Roma. Paoly negneo amin-dreo,3 ary satria varotra mitovy mandy no hesane, die niara-nitoboke tamin-dreo ijy ary niasa, fa ny mambôtre lay no asan-dreo.4Ka niady hevitre tao amin'ny Synagoga isaky ny Sabata i Paoly. Nandresy lahatre ireo Jiosy sy Grika ijy. 5Fa laha nidigna avy hatagne Makedonia i Silasy sy Timoty, die nitiren'ny Fagnahy hagnatoro amin'ireo Jiosy fa Jesôsy no Kristy i Paoly. 6Laha nanohitre sy nagnesoeso an'aje ireo Jiosy, die nagnelakelake ny lambane tagne amin-dreo i Paoly ka nijaka hoe: "Ho eo amin'ny lohanareo anie ny rànareo; tsy manan-tsigny iaho. Fa manomboke ijao die ho agne amin'ny Jentilisa iaho."7Die nienga teo ijy avy teo ary nandeha negnagne an-dragnon'i Titosy josto, lelahy ijay nanompo an'Andriamanitra. Ny tragnone die akekin'ny synagoga.8 Krispo, miparitake ny synagoga, nino ny Tompo, niarake tamin'ireo abiaby ijay nitoboke tao amin'ny tragnone; ary maro tamin'ireo Korintiana ijay naharegny mahakasika ijane no nino sy natao batisa.9Ny Tompo nijaka tamin'i Paoly tamin'ny fahitana ny aligna hoe: "Aja matahotra, ary aja mangigna fa mijakà.10 Fa iaho momba anao, ary tsy hisy olo hahajo hagnano ratsy anao, fa managna olo rahabe amin'itiky tanàna itiky Iaho." 11Nonigna tao herintaogna sy enim-bolagna i Paoly ary nampianatra ny tenin'Andriamanitra teo amin-dreo.12Fa laha nanjary governoran'ny Akaia i Galio, die niara-nitsangagna ireo Jiosy hanohitra an'i Paoly ka nitondra an'aje teo agnatrehan'ny toeram-pitsarana;13 nijaka areo hoe: "Io lelahy io die mandresy lahatra ny fokon'olo mba hanompo an'Andriamanitra ijay mifanohitra amin'ny lalàna."14Ary laha vô hijaka Paoly, die nijaka tamin'ny Jiosy i Galio hoe: "Anareo Jiosy, laha ohatra ka resaka raha-ratsy na heloke ijany, die mbôla ajo eritreretina ny fifampiraharahana aminareo." 15Fa hatramin'ijay nisian'ireo fagnontaniena mahakasika ireo teny sy agnarana ary lalàna manokagna ireo, alaminonareo ijane. Iaho tsy magniry ny ho mpitsara ijane raharaha ijane."16Galio nangala an-dreo hienga teo amin'ny sejam-pitsarana. 17Ka nanambotra an'i Sostena ijy abiaby, ny mpanapaka ny synagoga, ary namioka an'aje teo alohan'ny toeram-pitsarana. Fa Galio tsy niraharaha ijay namboarin-dreo.18Paoly, laha avy nitoboke tao nandritry ny andro maromaro loholoho, die nagnavela ireo rahalahy ka niondragna an-sambo ho agny Syria niaraka tamin'i Prisila sy Akolia. Talohakan'ny niengane teo amin'ny seranan-sambo die niborine tao Kenkrea ny volone noho ilay fanta ijay namboarine.19 Laha avy tagny Efesôsy areo, die navelan'i Paoly teo i Prisila sy Akoila, fa ijy tegnane niditra tao amin'ny synagoga ka niady hevitre tamin'ireo Jiosy.20Laha nengavy an'i Paoly mba hijanogna elaela areo, die nandà ijy. 21Fa nandao an-dreo ijy, nijaka hoe: "Mbôla hipody atiky iaho laha sitrapon'Andriamanitra ijane." Die niondragna an-sambo nienga tao Efesosy ijy avy teo.22Laha tody tao Kaisaria i Paoly, die niakatra ijy ka niarahaba ny fengonan'ny Jerosalema ary nidigna negnagne Antioky avy teo. 23Laha avy nonigna ora maromaro tao ijy, die nienga i Paoly ka nitety ireo faritr'i Galatia sy Frygia ary nampahery ny mpianatra abiaby.24Ary nisy Jiosy anankiray nangihina hoe Apolosy, teraka tagny Aleksandria, avy tao Efesosy. Ijy die nahay niresake sady nahalala tsara ny Soratra Masina. 25Apolosy die nampenarina tamin'ny fampenaran'ny Tompo. Mahafatra-po amin'ny fagnahy, ijy nijaka sy nampianatra marina ireo raha mahakasika an'i Jesôsy, kanefa ny batisan'i Jaona mandy no fantane. 26Apolosy nanomboke nijaka am-pahasahiana tao amin'ny synagoga. Fa laha naharegny an'ajy i Prisila sy Akoila, die nangala an'aje ho egny amin'ny sisine ary nagnajava tamin'aje marina loholoho ny lalan'Andriamanitra.27Laha nagniry mba hamakivaky an'i Akaia ijy, die nampahery an'ajy ireo rahalahy ary nanoratra hôn'ireo mpianatra tao Akaia mba handray an'aje. Laha avy ijy, die nagnampy betsake ireo ijay nino tamin'ny fahasoavana.28 Apolosy nanohitra mahare ireo Jiosy tamin'ny ady hevitre sambe maso, nampiseho tamin'ny alalan'ny Soratra Masina fa Jesôsy no Kristy.Chapter 19
1Die raha bola tagny Korinty i Apolosy, die nandalo tamin'ny firenena ambony i paoly die avy tao amin'ny tanànan'ny Efesosy, ary nahita mpianatra saragny tao. 2Hoy Paoly tamindreo hoe: "Nahajo ny Fanahy Masina ve anareo laha nino?" Hoy areo taminajy hoe: "Tsia, bola tsy maharegne momba ny Fanahy Masina akory ahay.3Paoly nijaka hoe: Tao amin'ino ary ijany no nanôvana batisa anareo? "Namaly areo hoe: "Tao amin'ny batisan'ny Jaona. " 4Ka namaly paoly hoe: "Jaona manao batisa amin'ny batisan'ny fibebahana. Nijaka tamin'ny vahôka ijy fa tokony hino ny raike ijay avy afarane areo, ijay die, ao amin'ny Jesôsy.5Laha naharegny ijany ny olo, die natao batisa tamin'ny agnaran'ny Tompo Jesôsy areo. 6Avy teo laha nametrake ny tanagne tamin'dreo i paoly, die nilatsaka tamin'dreo ny Fanahy Masina ary nijaka tamin'ny fijakana hafa sy naminany areo. 7Teo amin'ny roa ambin'ny folo teo ho eo ijy manontolo.8Niditre tao amin'ny sinagoga i paoly ary nijaka am-pahasahiana nandritra ny telo volagna, nandresy lahatre sy nampangaike an'dreo ny momban'ny fanjakan'Andriamanitra. 9Fa laha mafy fo sy tsy mankato ny Jiosy saragne, die nanomboke nijaka ratsy ny lalana teo alohan'ny vahôka areo. Ka nilôjan'i paoly areo die nandaone ny mpianatre, nandresy lahatra andreo isan'andro tao amin'ny efitragno fampenaran'ny Tiraniana. 10Nitohy nandritra ny roa taogna ijany, ka ijay nipetrake tao Asia die naharegny ny jakan'ny Tompo, ary ny Jiosy sy ny Grika.11Andriamanitra nagnano asa mahajendagna tamin'ny alalan'ny tagnan'ny paoly, 12Ka na die ny mosoara sy ny aron'akanjo ijay ijay mikasika anajy aja die natao tamin'ny marary ka nahafake ny aretin'dreo die nivôka avy tao amin'dreo ny fagnahy ratsy.13Fa nisy Jiosy mpangala fagnahy ratsy nandeha tegny an-toerana. Nangaike ny agnaran'ny Tompo Jesôsy areo mba hanagnan'dreo hery hanoherana ny fagnahy ratsy laha nijaka areo hoe: "Amin'ny alalan'ny Jesôsy ijay nambaran'ny paoly, mandidy anao iaho mba hivôka." 14Ny mpisoronabe Jiosy mitondra ny agnarany hoe Skeva, ary nanagnanahe fito lahy no nagnano ijane.15Nisy faganahy ratsy namaly an'dreo hoe: " Fantatro Jesôsy, die fantatro paoly; fa ija anareo?" 16Ny faganahy ratsy tao amin'ny lelahy die netsambotre tamin'ny mpangala devoly, ary nilefa tao amin'ny tragno, niboridagna sy naratre. 17Lasa fantatry ny aby daholo ijany, sy ny Jiosy sy ny Jentilisa, ijay nitoboka tagny Efesosy. Lasa nangoaigna mafy areo, ka ny agnaran'ny tompo Jesôsy die nomem-boninahitre.18Ary koa, maro tamin'ny mpino no nagnatogna sy nibebaka ary nagneke ny raha ratsy ijay vitan'dreo. 19Maro ny nilalao ody na niara-nitondra ny bokin'dreo sy nagnoro ijany teo amason'ny tsiraidraike. Laha nagnisa ny tombam-bidin'io areo, die farantsa volafotsy dimy aligna ijany. 20Ka niboely fatratre tamin'ny fomba matanjake ny jakan'ny Tompo.21Die laha nahefa ny asa fanompôna tagny efesosy i paoly, die nanapa-kevitra tamin'ny fagnahy ijy mba handalo an'ny Makadonia sy Akai tegny an-dalagna mandeha agny Jerosalema, hoy ijy: "Laha avy agny iaho, die tsy mentsy mandeha agny Roma mandy koa." 22Paoly nandefa roa tamin'ny mpagnampy anaje ho agny Mekodonia, i Timoty sy Erasto, ijay nagnampy anaje. Fa ijy tegnany mijanogna fotôgna fohike tagny Asia.23Tamin'ijany fotôgna ijany tagny Efesiosy die nisy fagnelengelegnana lehibe mikasika ny lalàna. 24Fa nisy mpanefy volafotsy raika atao hoe Demetrio, ijay nagnano sary sikotry ny Diana, nampiditra vola be hôn'ireo mpagnano asa tagnana. 25Ka navoriny niaraka ireo lelahy mendrekitra an'io asa io ary nijaka hoe: ''Tompoko, fantatrao fa amin'itoy raharaha toy die mahajo vola je ahay.26Hitanao sy regninao ijany, tsy tagny Efesiosy mandy, fa saika nagneragna an'i Asia raika manontolo, io Paoly io die nandresy lahatra sy nahataogna olo rahabe. Milaja ijy fa tsy misy Andriamanitra vita tamin'ny tagnana. 27Fa ny loja die tsy hoe ny varotra antsena mandy no tsy hilaina koa, fa ny tempolin'andriamanim-bavy lehibe Diana hiany koa die ajo heverina ho tsy misy antony. Die mety ho very voninahitra ijy aviteo, ijy ijay tompon'ny Asia manontolo sy ijao tontolo ijao.''28Laha efa naharegny anijany ijy ireo, die feno fahavignirana ijy ireo ka nihiekeke maharé, nagnano hoe: ''Lehibe i Diana an'i Efesiosy.'' 29Feno fifanjevôna tao amin'ny tanàna raika manontolo, ary niaraka nifagnaretsaka ho ao amin'ny tragno fanôvana fqmpisehôna antsehatra ny vahôka. Vôsambotr'ijy ireo ny mpiara-dia tamin'ny Paoly, Gaio sy Aristarko, ijay avy agny Makedonia.30Te hiditra tao amin'ireo vahôka rahabe i Paoly, fa niraran'ireo mpianatra ijy. 31Ary hiany koa, ny saragny tamin'ireo manampahefana tamin'ny faritr'i Asia ijay akamany die nandefa hafatra nangataka anajy mafy tsy hiditra ao amin'ny tragno fagnanôvana fampisehôna ansehatra. 32Olo sasasasagny no nihiekeke raha raika, ary ny an'ny saragny hafa, satria tao agnaty fifanjevôna ny vahôka. Ny ankabeajan'ijy ireo aja tsy mahalala mihitsy hoe nahôna ijy ireo no niaraka avy.33Ny saragny tamin'ireo vahôka no nampahafantatra an'i Aleksandra, ijay natosik'ireo vahôka ho egny aloha, ka nagnano fihetsika tamin'ny tany i Aleksandra, te-hagnome fagnajavana hôn'ireo ijay nivory. 34Fa laha efa nahalala ijy ireo fa Jiosy ijy, die nihiekeka tamin'ny feo maharé ijy manotolo teo ho eo amin'ny adiny roa, nagnano hoe: ''Lehibe ny Artemisin'ny Efesiana.''35Laha efa nampangigna an'ny vahôka ny lehiben'ny tanàna, die nijaka ijy hoe: ''Anao olon'ny Efesiosy, olo ija no teo ka tsy nahafantatra fa ny tanànan'ny Efesiana die mpiambigna ny tempolin'ny Diana angejabe sy ny sary ijay nilatsaka lahatagny andagnitra?36 Ary hita aviteo fa tsy ajo lavina ireo raha ireo, die tokony hangigna anareo ka tsy hagnano na ino na ino tsy amimpiheverana. 37Fa nindôsinareo etoy amin'ny fitsarana ireo lelahy ijay sady tsy mpandroba tempoly no tsy mpijaka ratsy ny andriamanim-bavintsena.38Noho ijany laha managna fempangana manohitra ny tsiraidraike i Demetrio sy ireo mpagnano asa tagnana ijay miaraka aminajy, die misokatra ireo fitsarana ary misy solotegna ao. Abilay ijy ireo hifampitory. 39Fa laha mandremby raha hafa makasika ny olo hafa anareo, die tokony hatsangagna amin'ny fivorena ara-dalàna ijany. 40Fa indrindra antsena die tandindognindoja ho vôpanga mikasika an'io andron'ny tabataba io. Tsy misy antony ijany fikorontagnana ijany, ary tsy afaka hagnajava an'ijany antsena.'' 41Laha efa avy nijaka anijany ijy die naravagny ny fivorena.
Chapter 20
1Laha efa tapitra ny tabataba, namory ny mpianatra i Paoly ary nampahery an'dreo avy teo, nagnano veloma ijy ary lasa mba handeha ho agny Makedonia.2 Laha efa nandeha tagny amin'ny faritra io sy nagnano jaka fankaherejana maro andreo, die tonga tagny Gresia ijy. 3Laha efa avy nijanogna telo volagna tao ijy, nisy teti-dratsy noforognin'ny Jiosy hanoherana anajy laha ijy handeha hiantsambo ho agny Syria agny, ka nanapa-kevitra ny hiverigna ho agny Makedonia ijy.4Nagnaraka anajy hatragny Asia lavitra agny i Sopatera janaka lahin'i Pyro avy agny Beria; Aristarko sy Sekondo, samy avy amin'ny mpino Tesalonika; Gayo avy agny Derbe; Tymoty, ary Tykiko sy Trifimo avy agny Asia.5 Fa ny lelahy io efa neloha anay ary niandry anay tagny Troasy.6 Niondragna an-tsambo niala tao Filipy ahay tafaran'ny andro fihinana mofo tsy masigna, ary tagnatin'ny dimy andro die tonga tagny amin'dreo tagny Troasy ahay. Ary nipetraka tao ahay nandritra ny fito andro.7Tamin'ny andro vôlohan'ny herignandro, laha efa nivory niaraka mba hanapaka ny mofo ahay, die nivoria tamin'ny mpino i Paoly. Ijy die nikasa handeha ny ampitson'igny, ka tsy nanohy niresaka hatramin'ny sasakaligna ijy.8 Nisy jiro maro tao amin'ny efitra ambony ijay nahatongavanay niaraka.9Teo amin'ny varavarankely no nipetraka itoy tovolahy angihina hoe Eotika, ijay tafalatsaka tao agnaty torimaso laligna. Laha niresaka naharitra kokoa i Paoly, io tovolahy io, die bola nandre, tafalatsaka avy egny amin'ny rihagna fahatelo ary ary laha narenina ijy die hita fa mate.10 Fa i Paoly nidigna, naninjitra ny tegnany taminajy, ary namihigna anajy. Avy teo ijy nijaka hoe: "Aja malahelo koa, fa velogna ijy."11Die niakatra ndraika ijy avy teo ary nanapaka ny mofo sy nihinagna. Laha efa avy niresaka ela tamin-dreo hatramin'ny mangiran-dratsy ijy, die nadeha. 12Nitondra ny tovolahy efa velogna nipody areo ary tena faly die faly.13Antsena mihintsy no nandeha neloihan'i Paoly tamin'ny sambo ary netsambo ho agny Aso, fa agny no kasainay handresana an'i Paoly. Ijany no faniriane ijy tegnany ho atao, satria nagniry handeha an-tanety ijy.14 Laha efa nihaogna taminay tagny Aso ijy, die nindaonay tamin'ny sambo ijy ka nadeha agny Mitylena.15Avy teo netsambo avy teo ahay ary tonga tao amin'ny tandrifin'ny nosin'i Kio ny ampitso. Ny andro magnaraka die nijanogna tao amin'ny nosin'ny Samo ahay, ary ny ampitson'igny die tonga tao amin'ny tanànan'i Mileto. 16Fa Paoly nanapa-kevitra ny hetsambo handalo an'i Efesosy, mba tsy handany fotôgna maharitre agny Asia ijy; satria ijy die maika ny ho agny Jerosalema ny andron'ny Pentekosta, laha ajony atao ny magnano ijany.17Avy agny Mileto no nandefasany lelahy ho Efesosy ary nampangaike ny loholon'ny fengonana handeha amin'ajy eo.18 Laha efa tonga tao amin'dreo, die nijaka tamin'dreo hoe: "Anareo tena anareo mahalala, hatramin'ny andro vôlohany nagnitsahako an'i Asia, hoe hôtran'iaja ny nandaneko ny fotôgnako niaraka taminareo.19 Iaho die nanompo fehijay ny Tompo tamn'ny fagnetre-tegna manontolo sy ranomaso, ary tao agnaty fijaliana no nitranga taminahy ijany nohon'ny teti-dratsin'ireo Jiosy.20 Anareo die nahafantatra fa tsy nitajogna fahanginana tamin'ny fagnambarana taminareo ny manotolo ijay nialaina iaho, sy ny fomba nampenarako anareo teo amason'olo ary tamin'ny isan-tragno,21 nijorôko vavolombelogna teo amin'ny Jiosy sy ny Jentilisa momba ny fibebahana amin'Andriamanitra sy ny finôna ao amin'ny Jesôsy Tompontsena.22Indro ankehitriny, ho agny Jerosalema iaho, niteren'ny Fanahy Madsina ka tsy nahalala ijay hahajo anahy agny,23 hafa-tsy ijay hampitandreman'ny Fanahy Masina anahy isaky ny tanàn-dehibe amin'ny fanoratana sy fijalena ijay miandry anahy.24 Fa iaho die tsy mihevitra ny tegnako ny fiaignako hoe sarobidy amin'ny tegnako, laha tsy hoe hahavita ny hajakajako sy ny asa fanompôko ijay niresiko avy amin'Jesôsy Tompo iaho, hagnambara ny filajantsaran'ny fahasoavan'Andriamanitra.25Ary indro ankehitriny, fantatro fa anareo manontolo, ijay nagnambarako ny fanjakana, no tsy hahita ny tarehiko koa. 26Noho ijany ambarako aminareo amin'itoy andro itoy, fa iaho die tsy manan-tsigny amin'ny ràn'ny olo.27 Fa tsy nasitriko taminareo ny fagnambarana ny sitrapon'Andriamanitra aby daholo.28Noho ijany tandremo ny momban'ny tegnanareo, sy ny momban'ny ondry manontolo ijay nampiandraketan'ny Fanahy Masina anareo. Mitandrema amin'ny mpiandry ondrin'ny fengonan'Andriamanitra, ijay novidine tamin'ny ràny manokagna. (Fagnamarihana: laha hôtra ka "Tamin'ny ràny manokagna" ny amin'ny antonta-taratasy taloha die mivaky hoe: "Tamin'ny ràn'ny janaka lahiny manokagna.") 29Fantatro fa afaran'ny fandehanako, die ho avy eo aminareo ny amboadia maseke ary hiantra an'ny ondry.30 Fantatro fa na die avy aminareo aja die hisy olo ho avy ary hagnova ny marina mba hitarika ny mpianatra hagnaraka andreo.31Ka membena. Tadidio fa nandritry ny telo taogna aho no tsy nijanogna nampianatra ny kiraidraike avy aminareo andro aman'aligna tamin'ny ranomaso. 32Ankehitriny ankiniko qmin'Andremantra sy amin'ny jakan'ny fahasoavany anareo, ijay afaka manangangna sy magnome anareo ny lova eo amin'ireo manontolo ijay nohamasignina.33Tsy nitsiriritra volafotsy, volamena na lamban'olo aho. 34Anareo tegnanareo no mahafinaritra fa ito tanana ito no nagnome je nilaiko ary ireo nilain'ireo je niaraka taminahe. 35Tamin'ny raha rehetra no nagnomejako ohatra anareo ny fomba tokony hagnampenareo ireo malemy amin'ny alalan'ny asa, ary ny fomba hitadidienareo ny jakan'ny Tompo Jesôsy, jaka jay nambaran'ijy tegnany hoe: ''Mahatretrika kokoa ny magnome nohon'ny mandray.''36Laha efa avy nijaka hôtran'ijany ijy, die nandohalika ary nivavaka niaraka tamin'ijy manontolo. 37Nisy fitomagnena be teo ary namihigna an'i Paoly sy nagnoroka anajy ijy ireo. 38Nalahelo ny ankabeajan'ijy ireo noho ijay nijakainy hoe: Ijy ireo die tsy nahita ny vatagny koa. Aviteo nagnatitra anajy tegny amin'ny sambo ijy ireo.Chapter 21
1Laha efa niala tamin'ijy ireo ahay die nesambo, ary nijotra lala-mahitsy nenga agny amin'ny tanàn'i Kosy, nenga agny amin'ny tanànan'i Rody ny andro magnarake, ary avy tao die tagny amin'ny tanànan'i Patara. 2Laha efa nahita sambo nempita nenga agny Foinika ahay, die niditra tao ahay ka nesambo .3Laha efa avy nahita an'i Kyprosy, die 'nagnavela anijany tegny ampitan'ny sambo, nesambo ho agny Syria ahay ary niantsogna tao Tyro, toerana ijay namoahan'ireo tasambo ny entagna tao agnaty sambo. 4Laha vantany nahita an'ireo mpianatra ahay, die nijanogna tagny nandritry ny fito andro. Tamin'ny alalan'ny fagnahy die nandresy lahatra an'i Paoly hatragny ijy ireo ba tsy handeha ho agny Jerosalema.5Laha efa tapitra ny andronay tegny, die niala tao ahay ka nenga tami'ny lalagnay, ary ijy manontolo, niaraka tamin'ireo vady amanjanagny , nagnaraka nivôka tamin'ny tanàna . Ary nandohalika tegny amoron-dranomasina die nivavaka 6ary nifagnano veloma. Die niditra tao an-sambo ahay, ary ijy ireo nipody tagny andragnony.7Laha efa efanay ny dia tagny Tyro, die avy tagny Ptolemaisy ahay. Tagny die nihaogna tamin'ireo rahalahy ary nijanogna ndraik'andro niaraka tamin'ijy ireo. 8Ny ampitsonigne die nenga atao ahay ary nenga tagny Sezarea. Niditra ny tragnon'i Filipo ahay, evanjelisitra, ijay raika tamin'ireo fito, ary nijanogna niaraka taminajy ahay. 9Ankehitriny io lelahy io die nanan-janaka viavy virijiny efatra ijay naminagny.10Laha efa nijanogna tao nandritry ny andro maromaro ahay, die nisy mpaminagny raike nidigna avy tagny Jodia natao hoe Agabo. 11Nagnatogna anay ary nangala ny fehikibon'i Paoly ijy. Taminigny no namihejany ny hongony sy ny tagnany ary nijaka hoe: ''Hoy ny fagnahy masigna, 'Die ho hôtran'ny jao no hamihejan'ireo Jiosy an'i Jerosalema ny lelahy ijay tompon'itoy fehikibo itoy, ary hanolotra an'ajy eo antagnan'ny Jentilisa.'''12Laha efa naharegny ijany raha ijany ahay, die ahay sy ireo olo monogna tao amin'io toerana io die nengavy tamin'ny Paoly tsy hiakatra ho agny jerosalema. 13Ary namaly i Paoly nagnano hoe: Ino no amboarinareo, mitomagny sy mandratra ny foko? Aho efa vognona, tsy hoe hifihejina mandy hiany, fa ho maty agny Jerosalema mandy koa amin'ny agnaran'ny Tompo Jesosy.'' 14Satria tsy nagniry ny ho resendahatra i Paoly, die nijanogna nagnandragna ahay ary nijaka hoe: ''Ôka ho tanterake ny sitrapon'ny tompo.''15Tafaran'ireo andro ireo, die nitondra ny kitaponay ahay ka niakatra nenga agny Jerosalema. 16Die nisy ireo mpianatra saragny mandy koa avy agny Sezarea nagnaraka anay. Nitondra lelahy raika niaraka taminajy ijy ireo ijay nangihina hoe Menasona, lelahy avy agny Sipra, mpianatra menty molale, ijay tokony herahanay mitoetre.17Laha efa avy tagny Jerosalema ahay, die nandray anay ampifalena ireo rahalahy.18 Ny ampitso die nagnaraka an'i Paoly ho agny amin'i Jakoba, ary teo dahôlo ireo loholona abiaby. 19Laha efa avy nerahaba anajy ireo ijy, die nitatitra tsiraidraike ireo raha manontolo ijay efa namboarin'Andriamanitra tamin'ireo Jentilisa tamin'ny alalan'ny asa fanompône.20Laha efa naharegny anijany ijy ireo, die nidera an'Andriamanitra, ary nijaka taminajy hoe: ''Hitanao, ry rahalahy, agnarivony firy no nino tamin'ireo Jiosy. Tapa-kevitra ijy manontolo hitandrigna ny lalàna. 21Efa nilajain'ijy ireo ny mahakasika anao, fa anao die mampianatra an'ireo Jiosy manontolo ijay mipetraka eo amin'ireo Jentilisa hahafoy an'i Mosesy, ary anao milaja anajy ireo tsy hamora ny janagny, ary tsy hagnaraka ny fomba taloha.22Ino no tokony hataontsena? Ho regnin'ijy ireo tokôtra fa avy anao. 23Ka atôvy je lajainay anao. Managna lelahy efatra ahay nagnano voady ahay. 24Indôsy ireo lelahy ireo ary diovy miaraka amindreo ny tegnanareo, ary aloavy ireo fandanen'ijy ireo ba hanaratra ny lohany ijy ireo. Ka ho fantatry ny olo manontolo fa ireo raha ireo nijakainy mahakasika anareo die diso. Ho fantatr'ijy ireo fa anao die magnara-dalàna hiany koa.25Fa mahakasika an'ireo Jentilisa ijay nino, ahay die nanoratra sy nagnome torolalagna fa tokony hitandrigna ny tegnany amin'ny raha vita sorogna hôn'ny sampy ijy ireo, avy amin'ny rà, avy amin'ijay nikendaina, sy avy amin'ny fijangajagana. 26Aviteo die nalain'i Paoly ireo lelahy , ary ny ampitso, ijy nagnadio ny vatagny niaraka tamin'ijy ireo, niditra tao an-tempoly , nagnambara ny vanim-potôgnan'ny andron'ny fagnadiovana, mandra-pagnatitra ny fagnatitra hôn'ny olo tsiraidraike tamin'ijy ireo.27Laha efa ho tapitra ireo andro fito, ireo Jiosy sasasasagny avy agny Asia, nahita an'i Paoly tao an-tempoly, nampikorontagna ireo vahôke manontolo, ary nanambotra anaje. 28Nitabataba ijy ireo hoe: ''Ry olon'Israely, ampio ahay''. Io le lelahy ijay nampianatra ny olon-drehetra hatraja hatraja ireo raha ijay manohitra ny olo, ny lalàna, ary itoy toerana toy.Fagnampin'ijany, nitondra Grika tao an-tempoly mandy koa ijy ary nandoto an'toy toerana Masigna toy. 29Fa ijy ireo taloha nahita an'i Trofima ijay Efesianina niaraka taminajy tao an-tanàna, ary nieritreritra ijy ireo fa i Paoly no nitondra anajy tao am-tepoly.30Nifagnaritaka ny tanàna manontolo, ary niaraka nihajakajaka sy nanambotra an'i Paoly ny olo. Nisintogna anajy hivôka ao amin'ny tempoly ijy ireo, die nakatogna teo no ho eo ny varangaragna. 31Laha teo ampamonôna anajy ijy ireo, die nisy vôvao avy lahatagny amin'ny kapitenin'ny mpiambigna fa mikorontagna aby Jerosalema manontolo.32Avy hatragny die nangala miaramila sy kapiteny ijy ary nihajakajaka nidigna nenga agny ami'ireo vahôke. Laha efa nahita an'ireo kapiteny sy ny miaramila ny vahôke, die nijanogna namioke an'i Paoly ijy ireo. 33Die nagnantogna le kapiteny ary nanambotra an'i Paoly, ary nampamihejiny tamin'ny rojo vy roa ijy. Die nagnotany ijy hoe ija ijy ary ino ny namboariny.34Ny saragny tamin'ireo vahôka nitabataba raha raike ary ireo hafa raha hafa. Satria tsy afaka nijaka na ino na ino ny kapiteny nohon'ny tabataba manontolo, die nampitondrainy hindao agny amin'ny rova i Paoly. 35Laha efa avy teo amin'ny tohatra ijy, die nindan'ireo miaramila ijy nohon'ny herisetran'ny vahôka. 36Fa nagnaraka avy tao afara ny vahôka be ary nihiekeke hoe: ''Vonio ijy''37Laha igny hindao tao an-drova igny i Paoly, die hoy ijy tamin'ny kapiteny: ''Afaka mijaka raha aminao ve aho?'' Hoy le kapiteny hoe: ''Miteny Grika ve anao? 38Tsy anao ve le Egyptiana, ijay nitarika fikomena tagny aloha ary nitarika ireo efatra arivo lahy an'ny mpamono olo nivôka avy tagny agnefitra?''39I Paoly die nijaka hoe: ''Aho die Jiosy, avy agny amin'ny tanànan'i Tarsosy agny Kiliaka. Aho die olom-pirenen'ny tanàna manan-danja. Mangataka aminao aho, abilay aho hijaka amin'ny olo.'' Laha efa nagnavela anajy hijaka le kapiteny, die nitsangagna teo amin'ny tohatra i Paoly ary nagnano fihetsika tamin'ny tagnany tamin'ny vahôka. 40Laha efa nisy fahanginana laligna, die niresaka tamin'ijy ireo tamin'ny fijakany Hebreo ijy. Hoy injy:Chapter 22
1Ry rahalahy sy ry aba,Tenoy ny fiarovako ijay hamboariko aminareo niany." 2laha naharegne an'i Paoly nijaka tamin'ny jaka Hebreo ireo vahôke, die lasa nangigna areo. Hoy ijy hoe:3Jiosy iaho, terake tagne Tarsosy agny Kilkia, fa notejaina teto amin'toy tanàna itoy teo amin'ny tongotr'i Gamaliela. Nampianarina araka ny fomba hentitra ny lalàn'ireo rajantsena aho . Tena mafana fo amin'Andriamanitra aho, hôtran'areo abiaby amin'ijao andro ijao. 4Nagnenjika io Làlana io ho amin'ny fahafatesana iaho, namatotra sy nanolotra an-dreo ho atao an-dragnomejigna na lahe na vave, ary ny mpisorona be sy ireo loholona abiaby afake mijoro vavolombelogna. Nahajo taratasy avy agny amin-dreo aho ho an'ireo rahalahe agne Damaskosy,5 ary nandeha nenga agny nitondran-dreo niverigna mbola mifatotre ho agne Jerosalema mba hanasajiana an-dreo.6Ijao no nibôke laha nandeha ary niha narivo an'i Damaskosy iaho, ary tamin'ny mitatao vovognana teo ho eo die nisy hajavana lehibe avy agny an-danitre nanomboke namiratre nagnodidigna an'ahe.7 Lavo tamin'ny tany aho ary naharegne feo nijaka tamin'ahe hoe: 'Saoly, Saoly, nahôna anao no magnejika an'Ahe? 8Namale iaho hoe: Ija moa anao, Tompoko? Nijaka tamin'ahe Ijy hoe: ' Iaho no Jesôsin'ny Nazareta, ijay anjehinao.9Areo ijay niaraka tamin'ahe die nahita ny hajavana, fa areo die tsy nahafantatre ilay feony ijay nijaka tamin'Ahe. 10Hoy iaho hoe:" Ino no tokony hamboariko, Tompoko?' Ny tompo nijaka tamin'ahe hoe:" Mitsangàna ary midira any Damaskosy; agny no hagnambarana anao ny raha abiaby ijay tokone hamboarinao.' 11Tsy nahita nohon'ny famirapiratan'ijany fahajavana ijany iaho, ary notantanan'ireo ijay niaraka tamin'ahe, ka die avy tagny Damaskosy aho.12Nihaogna tamin'ny lelahy raike nangehana hoe Ananiasy tagny iaho, lelahy matahotra an'Andriamanitra nagnaraka ny lalàna ary tsara laja teo amin'ireo Jiosy abiaby ijay nonigna tao.13 Nagnatogna an'ahe Ijy, niitsangagna teo agnilako, ary nijaka hoe: 'Ry rahalahy Saoly, mahirata.' Tamin'ijay lera ijany indrindra die nahita an'Ajy aho.14Ary nijaka ijy hoe:' Ny Andriamanitr'ireo rajantsena die nifidy anao mba hahalala ny sitrapone, mba hahita ny Raike Marina haharagne ny feo aloaky ny vavane. 15Fa ho vavolombelogna ho an'Aje amin'ny olo abiaby momba ijay hitanao sy regninao anao. 16Ary magnino anao no mandigny? Mitsangàna, ôka ho atao batisa, ary diovy ireo fahotanao, mangeha amin'ny agnarane."17Laha avy niverigna tagny Jerosalema iaho, ary laha mbola nivavaka tao an-tempoly, die nahajo tsindrimandry iaho. 18Nahita an'Ajy aho nijaka tamin'Ahe hoe:' Malakisa mialà an'i Jerosalema malaky, satria areo tsy hagneke ny fijoroanao vavolombelogna momba an'Ahe19Hoy iaho:' Tompo, areo tokôtre die mahafantatre fa iaho nagnagadra sy nandamoke ireo ijay nino Anao tao amin'ny synagoga abiaby. 20Laha nalatsake ny ran'i Stefana vavolombelognao, iaho koa die mba nitsangagna narivo teo, ary niambigna ny akanjon'ireo ijay namono iaho.' 21Fa nijaka tamin'ahe Ijy hoe:' Mandehana satria halefako lavitre an'ireo Jentilisa anao.'22Niteno an'ajy areo mandra-pijakany an'ijane. Die nihiaka mahare areo nijaka hoe:" Vonoy hiala eto amin'ny tany ny lelahy hôtran'io, satria tsy mendrike ny ho velogna ijy." 23Laha nitabatata areo, nanipy ny akanjone, ary nanipy vovoka tamin'ny rivotre,24 ny lehiben'ny kapiteny die nandidy an'i Paoly mba handôsina agny amin'ny lapa. Ijy nandidy fa tokony hagnotaniana miaraka amin'ny kapoke ijy, ka mba ijy tegnany die hahalala hoe nahôna areo no nihiakiake nanohitre an'aje hôtran'ijane.25Laha namatotre an'aje tamin'ny tady hoditre areo, die hoy Paoly tamin'ilay kapiteny ijay nitsangana teo:" Ara-dalàna ho anareo ve ny manakaravasy lelahy ijay Romana sy tsy mbola notsaraina akory? 26Laha naharegne an'ijane ilay kapiteny, die nandeha agny amin'ny lehiben'ny kapiteny ijy ka nilaja tamin'aje, nijaka hoe:" ino ijao ataonao ijao? Fa mponin'ny Romana io lelahy io."Nagnatogna ilay lehiben'ny kapiteny ary nijaka tamin'aje hoe: ''Jakay amin'ahe, mponina Romana ve ianao?" Paoly namale hoe:" Eka.'' Ary namale ilay lehiben'ny kapiteny hoe:" Tamin'ny vola be fotsiny no ajahoako io zom-pirenena io. Fa Paoly nijaka hoe:" Nateraka ho mponin'ny Romana iaho." Ary nandao an'aje teo no ho eo ilay lelahy ijay nagnotane an'aje. Natahotre mandy koa ilay lehiben'ny kapiteny, laha fantane fa mponigna Romana i Paoly, satria ijy namatotre an'aje.30Ny ampitso, te hafantatre ny marina momba ireo fagnedrikendrehana ireo Jiosy nanohitre an'i Paoly ny lehiben'ny kapiteny. ka novahany ireo fatotre ary nibeko ireo mpisorona be sy ireo filan-kevitre abiaby mba hivory ijy. Ary nitondra an'i Paoly nijotso ijy ary nampidoboke an'aje teo am-povoan-dreo.Chapter 23
1I Petera die nijaha nivantagna tagny amin'ireo mpikambagna tao amin'ny filan-kevitra ary nijaka hoe: "Ry rahalahy, iaho die efa niaigna teo agnatrehan'Andriamanitra tamin'ny fieritreretana tsara manontolo hatramin'ijao." 2Ny mpisorom-be Agnasiasy die nibeko ireo ijay nitsangagna nariny anajy ba hamilejana ny vavany. 3Aviteo i Paoly nijaka anjy hoe: "Andriamanitra die hamioka anao, anao ry rindringna vôlalotra fotsy. Anao vé die mitoboka hitsara anahy amin'ny lalàna, nefa mandidy anahy ba hifihina, tsy araka ny lalàna?4Ireo ijay nitsangagna teo die nijaka hoe: "Ijao ve ny fomba hagnatevatevanareo ny mpisorom-ben'Andriamanitra?" 5I Paoly nijaka hoe: "Tsy nahafantatra aho, ry rahalahy, hoe ijy ilay lehiben'ny mpisorom-be. Fa efa vôsoratra hoe: tsy tokony hijaka ratsy ny mpitondra ny vahôkanao anao."6Laha efa hitan'ny Paoly fa ny sasagny tamin'ny filan-kevitra die Sadoseo ary ny hafa Fariseo, die nijaka mahare tamin'ny filan-kevitra ijy hoe: "Ry rahalahy, Iaho die Fariseo, janaka lahin'ireo Fariseo. Ijany no ijy satria aho die magnantegna tsara ny fitsanganan'ny maty ijay hitsarana anahy." 7Laha efa nijaka an'ijany ijy, die nanomboka nisy fifampizizôna teo amin'ireo Fariseo sy ireo Sadoseo, ary ny vahôka die nijara. 8Fa ireo Sadoseo die nijaka fa tsy misy ny fitsanganana amin'ny maty, tsy misy ireo anjely, ary tsy misy ireo fagnahy, nefa ireo Fariseo die nagneky an'ijy manontolo ireo.9Noho ijany die nisy fitabatabana mahare niseho, ary ny saragny tamin'ireo mpanora-dalànan'ireo Fariseo die nitsangagna ary niady hevitra, nijaka hoe: "Ahay die tsy mahita raha diso amin'io lelahy io. Ahôna laha ny fagnahy na ny anjely no nijaka taminy?" 10Laha nisy fifampizizôna mahare teo, ny kapiteny mpitarika die natahotra sao die hifandrotehandreo i Paoly, noho ijany ijy die nibeko ireo miaramila ba hidigna sy hangala anajy an-keriny agny amin'ireo mpikambagna ao amin'ny filan-kevitra, ary hitondra anajy an-dapa.11Ny aligna magnaraka ny Tompo die nijoro teo agnilany ary nijaka hoe: "Aja matahotra fa hôtran'ny nijorônao vavolombelogna mahakasika Anahy tagny Jerosalema, no tsy mentsy hijorônao vavolombelogna agny Roma mandy koa."12Laha efa mandraigna ny andro, ny Jiosy sasagny die namorogna tetika ary nagnojogna ny tegnan'ijy ireo miaraka amin'ny fiaignana ba tsy hihinagna na hinogna na ino na ino mandram-pamonôndreo an'i Paoly. 13Mihôtra ny efapolo olo ijy ireo ijay namorogna io tetika io.14Ijy ireo die nandeha tagny amin'ireo mpisorom-be sy ireo loholona ka nijaka hoe: "Ahay die efa nanao fagnomejana lehibe tamin'ny tegnanay, ba tsy nihinagna na ino na ino mandram-pamonônay an'i Paoly. 15Ankehitriny, noho ijany, abilay ny filan-kevitra hijaka amin'ny kapiteny mpitarika ba hitondra anajy hidigna eto aminareo, ary anareo hôtran'ny hoe hanampak'evitra amin'ny raha misy mahakasika anajy marina kokoa. Fa hônay, ahay die vognona ny hamono anajy alohan'ny fieveny eto."16Nefa ny janaka lahin'anabavin'ny Paoly die naharegny fa teo ampendrasana ny ahonôna anajy ijy ireo, noho ijany ijy die nenga ary niditra ny lapa ka nijaka tamin'i Paoly. 17I Paoly die nangaika ny raika tamin'ireo kapiteny ka nijaka hoe: "Indôsy agny amin'ny Kapiteny mpitarika itoy tovolahy itoy, fa managna raha jakaina aminajy ijy."18Noho ijany ilay kapiteny die nandray ilay tovolahy ary nitondra anajy tagny amin'ny kapiteny mpitarika ka nijaka hoe: "I Paoly ilay gadra no nangaika anahy ho agny aminajy, ary nengavy anahy ba nitondra an'itoy tovolahy itoy ho eto aminao. Managna raha hijakaina aminao ijy." 19Ny kapiteny mpitarika die nangala anajy tamin'ny tagnana hoagny amin'ny toerana mitokagna ary nagnotany anajy hoe: "Ino ijany tokony hijakainao aminahy ijany?"20Ilay tovolahy nijaka hoe: "Ireo Jiosy die efa nagneky ny hangataka aminao ba hitondra an'i Paoly hidigna agny amin'ny filan-kevitra rahampitso, hôtran'ny hoe ijy ireo die handeha hagnotany ny mahakasika ajy marina bebekokoa. 21Nefa aja magneky andreo ireo, satria nisy olo mihôtra ny efapolo ijay efa vognona ny hagnome anajy. Nangaika ojogna hôn'ny tegnandreo areo ireoba tsy hihinana na hinogna mandram-pamonôndreo anajy. Fa na die ijany aja die efa vognona areo, mandigny fagnekena lahataminao."22Ka nabelan'ilay kapiteny mpifehy henga ilay tovolahy, tafaran'ny nagnatorôny anajy hoe: "Aja mijaka na amin'ija na amin'ija hoe nijaka an'ireo raha ireo taminahy anao." 23Aviteo ijy die nangaika ho eo aminajy ny roe tamin'ireo kapiteny ka nijaka hoe: "Alay ny miaramila rôjanto ijay vognona ny handeha agny Kaisaria, sy mpideba sôvaly fitopolo ihiany koa, ary mpitondra lefogna rôjanto. Henga anao amin'ny ora fahatelon'ny aligna."24 Ijy mandy koa die nandidy anajy ireo ba hagnome biby ijay afaka hideban'i Paoly, ary ba hitondra anajy sô-matsara agny amin'ny Feliksa ilay governora.25Aviteo die nanoratra taratasy hôtran'ijao ijy: 26"Klaodio Lisia hôn'i Feliksa governora tsara indrindra, arahaba. 27Io lelahy io die niisamborin'ireo Jiosy ary saika nivonindreo, laha efa avy teo amin'ijy ireo niaraka tamin'ireo miaramila aho die nagnavotra anajy, satria nahalala aho fa ijy die olom-pirenena Romana.28Iaho die te hahafantatra ny dikany nitôrenareo anajy, noho ijany die nindako nidigna tao amin'ny filankevitra andreo ijy. 29Nahalala aho fa vôtory tamin'ny ady hevitra mikasika ny lalàn'ijy ireo manokagna ijy, nafa tsy nisy fitorena nanohitra anajy ijay mendrika ho fahafatesana na fagnagadrana.30 Aviteo die nampahafatarina anahy fa nisy tetika hanoherana ilay lelahy, noho ijany die nandefa anajy teo noho eo tagny aminao aho, ary nagnafatra ireo mpiambibigna anajy ihiany koa ba hitondra ny fagnamelohanandreo anajy eo agnatrehanao velogna."31Ka noho ijany ireo miaramila die magnaraka ireo bekondreo. Nalaindreo i Poly ary nindao tamin'ny aligna tagny Antipatria.32 Ny ampitso, ny akabejan'ireo miaramila die nandao ireo mpideba sôvaly ba handeha hiaraka aminajy fa ijy ireo die nipody tagny andapa.33 Laha efa avy tagny Kaisaria ireo mpideba sôvaly ka nognome ny taratasy hôn'ny governora, die nanolotra an'i Paoly taminajy ihiany koa.34Laha efa namaky ny taratasy ny governora, die nagnotany ny faritany ijay neven'i Paoly ijy. Raha efa fantany fa avy lahatagny Kilikia ijy,35 die nijaka hoe: "Iaho die haharegny tanteraka anao laha efa avy eto ny mpitory anao" die nampitajominy tao ao amin'ireo foiben'ny fanjakan'i Heroda ijy.Chapter 24
1Tafaran'ny dimy andro, Ananiasy ilay mpisorogna be, ireo loholo sasagne, ary mpikabary angihana hoe Tertylo dia nenga tagne. Ireo lelahy ireo die nitondra fiampangana an'i Paoly teo agnivon'ny governora. 2Laha efa nitsangagna teo alohan'ny governora i Paoly, die nanomboka niampanga an'aje i Tertylo ka nijaka tamin'ny governora hoe: " Nahon'enao die managna fedanana lehibe ahay, ary ny fahitanao die mitondra fagnovana tsara eo amin'ny firenenay; 3ka am-pankasitrahana tanteraka no handresana ny raha rehetra ijay atanao, ry Feliksa tsara indrindra.4Ba tsy hitanako anareo ela lôtre, die mangataka fotôgna fohika aminareo aho ba hiteno an'ahe am-pitonena. 5Fa io lelahy io die hitanay fa mpagnakorontagna ary raike jay nitarika ny Jiosy rehetra maneragna ijao tontolo ijao hikome. Ijy no mpitarika ny sekta Nazareana.6Ary ijy mandy koa no niejaka ny handoto ny tempoly, ka die nosamborinay ijy. (Fagnamarihana: Ireo antonta-taratasy taloha die nagnampy hoe: "Tienay ho tsaraina araka ny lalànay ijy.")7(Fagnamarihana: Ireo antontan-taratasy taloha die ahitana ao amin'ny andininy faha 7 hoe: "Fa Lysia, mpiandrekitre, avy ary nangala an'ajy an-keriny teo an-tagnanay.") 8Laha efa magnotany an'i Paoly mikasika an'io raha rehetra io anao, die ho fantatrao ny mikasika an'io fiampangana namboarinay momba an'ajy io." (Fagnamarihana: Ireo antontan-taratasy taloha die nagnampy ao amin'ny tapagny vôlohany amin'ny andininy faha 8 hoe: "Nandefa anay teo aminao.") 9Ireo Jiosy mandy koa die nagnampy trotrka ireny fiampangana ireny, ary nagnamafy fa marina daholo ireny.10Fa laha efa notondroin'ny mpanapaka hijaka i Paoly, die namaly Paoly hoe: "Fantatro fa anao die efa mpitsara teto amin'itoy firenena toy nandritry ny taogna maro, ka die faly ny tegnako magnajava aminao. 11Ho fantatrao fa tsy ny tegnako magnajava aminao. Ho fantatrao fa tsy bola nihôtra ny roa ambin'ny folo andro ijay no niakarako nidera tagny Jerosalema. 12Laha efa hitan-dreo tao an-tempoly aho, die tsy niady hevitra na tamin'ija na tamin'ija aho, ary tsy namporisika ny vahôka, na tao amin'ireo Synagoga, na tao an-tanàna. 13Tsy afaka magnaporofo aminao ireo fiampangana ijay atany amin'ahe amin'ijao areo.14Saingy aho magneky ijao aminao, araka ny Fampenarana ijay antsoin-dreo hoe sekta, die toy ijany koa no hanompôko ny Andriamanitry ny rajambetsena. Aho die matoky amin'ny rehetra ijay ao amin'ny lalàna sy ireo vôsoratr'ireo mpaminagny. 15Managna ny fahatokisana an'Andriamanitra hôtran'ireo olo ireo aho, fa hisy ny fitsanganan'ny marina sy ny ratsy fagnahy amin'ny maty. 16Noho ijany aho madio eo agnatrehan'Andriamanitra sy ny olombelogna17Ary tafaran'ny taogna maro die avy aho hitondra fagnampena hôn'ny fireneko sy fagnomejana ara-bola. 18Laha efa vitako ijane, nisy Jiosy vitsivitsy avy agny Asia nahita an'ahy tagny amin'ny fetin'ny fagnadiovana tao amin'ny tempoly, tsy niaraka tamin'ny vahôke nandregnina. 19Ireo olo ireo die tokony ho eo agnatrehanareo amin'ijao ka hijaka ijay hiampangan-dreo an'ahe, raha managna raha areo20Na koa, ireo olo ireo mandy no tsy tokony hijaka ijay titan-dreo tsy mety atoy amin'ahe laha efa nitsangagna teo alohan'ny filan-kevitry ny Jiosy aho, 21laha tsy hoe momba ny raha raika ijay nekeko laha efa nijoro tagnivon-dreo aho: 'Ijany die mikasika ny fitsanganan'ny maty ijay hitsarana an'ahe eto agnatrehanareo niany.'22Ary Feliksa, ijay nampahafantarina tsara momba ilay Fampenarana. Ijy die nijaka hoe: "Laha efa midigna avy agny Jerosalema i Lysia mpadidy, die hanapa-kevitra ny amin'ny raharahanao aho." 23Avy teo ijy nandidy ilay kapiteny fa i Paoly die tokony hambenana, fa ba hisy fahafahana die tsy hisy amin'ireo akamany ho sakagna amin'ny fagnampena ijay raha ilaine.24Andro vitsivitsy tafaran'ijay, die nipody niarake tamin'i Drosila vadin'i Feliksa, ijay viavy Jiosy, ka nalefa ho an'i Paoly areo naharegne tamin'aje momba ny finôna ao amin'i Kristy Jesôsy. 25Fa laha efa niady hevitra niaraka tamin'i Paoly momba ny fahamarinana, fihonognan-tegna, sy ny fitsarana ho avy, die lasa raiki-tahotra i Feliksa ka nijaka hoe: "Mandihana manomboka ijao. Fa laha efa managna fahafahana aho afara ao, die handeha hônao."26Nandritr'ijany fotôgna ijany mandy, die nagnantegna ijy fa hagnome vola an'aje i Paoly, noho ijany die nandefa an'aje matetika ijy ary nivoria tamin'aje. 27Fa laha efa afaka roa taogna, die lasa governora nqndimby an'i Feliksa i Porsio Festosy, nefa Feliksa te hahajo sitraka tamin'ireo Jiosy, die navelany ho hambenana mandy i Paoly.Chapter 25
1Amijao, Festony niditre tao amin'ny faritany, die telo andro tatoy afara, die niakatre laha tao Kaisaria ijy henga agny Jerosalema. 2Ny lohan'ny mpisorogna sy ny Jiosy mana-kaja die nitondra fagnamelohana hempangana an'i Paoly, ka nandrisike anajy 3sy nangatake taminajy an-dreo mba hampidi-doja an'i Paoly ka metiny hampangzike an'i Paoly ho agny Jerosalema Festosy mba hafahan-dreo mamono anajy egny an-dalagna.4Fany Festosy namaly fa gadra ao Kaisaria Paoly, die ijy tegnane die hipody agny tsy ho ela.5 ''Noho ijany, ireo ijay afake,'' hoy ijy: ''die tokone henga miarake aminay ho agny. Raha nagnano raha tsy nety die tsy ny lelahy, die tokone hempangana anajy anareo.6Festosy die tsy nidorogna nihôtre ny valo na folo andro die avy teo nidigna nenga agny Kaisaria, die ny andro magnarake die nipetrake teo amin'ny pilasin'ny fitsarana ijy die nandidy an'i Paoly mba hindôsina agny aminaje.7 Raha tonga ijy, die nitoboke teo mariny teo ny Jiosy laha tagny Jerosalema, die nitondra fempangana gagana be raha ijy ireo tsy afake naporoifoin-dreo.8 Niaro-tegna i Paoly die nijaka hoe: ''Tsy nagnano raha ratsy manohitre ny lalanan'ny Jiosy iaho na manohitre ny tempoly an'i Kaisaria.''9Fany nandrembe ijay ahajahôna ny fankasitrzhan'ny Jiosy i Festosy, die noho ijany die namaly an'i Paoly ijy ka nijaka hoe: ''Te-hiakatre ho agny Jerosalema ve anao die ho tsaraiko momba ny raha iregny tagny iregny? 10Hoy Paoly hoe: '' Mitsangana eto anatrehan'ny seza fitsaran'i Kaisara iaho ijay tsy mentsy hitsarana anahy. Tsy nagnano ratsy ny Jiosy iaho, arake ny efa fantatrao tsara.11Fany raha nagnano ratsy iaho die raha nagnano ijay mendrika ny fahafatesana, die tsy mandà ny ho faty. Fa laha tsy misy ny fempangan-dreo die tsy misy olo afake mitondra anahy ho agny amin-dreo. Mangatake an'i Kaisara iaho.'' 12Raha avy nivoria tamin'ny filan-kevitre Festosy, die namaly ijy hoe: ''Nangatake an'i Kaisara anao. Agny amin'i Kaisara no handihananao.13Die tafaran'ny andro vitsivitsy die tonga tagny amin'ny Kaisaria i Agripa mpanjaka sy Berenika mba hamangy an'i Festosy.14 Tafaran'ny naha tzo anajy nandritre ny andro misimisy, die nomen'i Festosy teo amin'ny mpanjaka ny raharahan'i Paoly, nijaka ijy hoe: ''Nisy lehilahy raile nabelan'i Felix aty hôtrz ny gadra.15 Raha tagny Jerosalema iaho die nitondra fempangana ty lehilahy toy taty aminahy ny lohan'ny mpisorogna sy ny lohan'ny Jiosy, die nangatake jaka fagnadisona ho anajy an-dreo. 16Namaly an-dreo iaho fa tsy fomban'ny Romana ny manolotre olo melohan'ny hetrehany ny mpempanga ajy sy hagnanany fahafahana hiaro-tegna amin'ny fempanganan.17Noho ijany raha niara-tonga teto an-dreo, die tsy nandigny iaho, fa ny andro magnarake die nipetrake teo amin'ny sezan'ny fitsarana iaho die nibeko ny ampidirana ny lehilahy. 18Raha nitsangana ny mpempanga ka nagnadiso anajy, die niheviriko fa tsy nisy goavana ny fampengana nentin-dreo ho anajy. 19Fa koja, nifamaly an-dreo makasike ny fivavahin-dreo manokana sy momba ijany Jesôsy ijay maty ijany, ijay jakain'i Paoly fa velogna. 20Tsy ajoko antoke ny fomba hagnadihadiana hôtra ny tranga toy die noho ijany die nadigniko ijy raha vognona ny ho agny Jerosalema mba ho tsaraina agny momba ny fempangana io.21Fa raha nangatake ny hijanogna ao am-pigadrana mba handigny ny fanapahan-kevitry ny Amperora i Paoly, mandram-pandefasako anajy agny amin'i Kaisara.''22 Agripa nivoria tamin'i Festosy hoe: ''Te-haregny ty lelahy toy mandy koa iaho.'' ''Rahampitso,'' hoy Festosy: '' Haharegny anajy anao.23Ka ny andro magnarake, die tonga niarake tamin'ny lagnonana rahabe Agripa sy Berinika; nenga amin'ny agnefi-tragno lehibe niarake tamin'ny maramila mpifehy sy ny lelahy manan-kaja teo amin'ny tanàna an-dreo. Raha nijaka ny didy Festosy die nindaon-dreo Paoly. 24Hoy Festosy hoe: ''Agripa mpanjaka sy anareo lelahy abiaby ijay miarake aminay eto, hitanareo ty lelahy toy; ny vahôkan'ny Jiosy abiaby nifagnarake taminahy tagny Jerosalema sy eto mandy koa, die nitaraigna taminahy an-dreo fa tsy tokone ho velogna koa ijy.25Fantatro fa tsy nagnano ino na ino tokony hafatesana ijy, fa satria na'gatake ny Amperora ijy, die nanapa-kevitre iaho ny handefa anajy. 26Fany tsy misy raha manam-batrake ho soratako agny amin'ny Amperora. Noho ijany antony ijany, die nindôsiko teo amianareo ijy, indrindra aminao, Agripa Mpanjaka, mba afahako managna raha ho soratana bebe kokoa momba ny raharaha. 27Satria hôtra'ny tsy mety aminahy ny mandefa gadra sy mijaka ijay hempangana anjy koa.Chapter 26
1Noho ijane Agripa nijaka tamin'i Paoly hoe: "Afaka mijaka hôn'ny tegnanao anao." Die nagnampatre ny tegnane Paoly ary nagnano ny ferovan-tegnane. 2"Magnaseho ny tegnako hôtran'ny faly iaho, ry Agripa mpanjaka, mba hitondra ny raha mahajo an'ahe eto alohakanao niany manohitra ireo fempangan'ireo Jiosy abiaby;3 indrindra, satria anao efa matihanina amin'ny fomba amam-panao sy fagnontanien'ny Jiosy abiaby. Noho ijane die mengavy anao iaho mba hiheno an'ahe am-paharetana.4Marina fa, ireo Jiosy abiaby die mahafantatra ny fomba fiegnako hatramin'ny fahatanorako tagny amin'ny fireneko manokagna sy tao Jerosalema. 5Areo die nahafantatra an'ahe hatagne am-bôlohane ary tokone hagneke areo fa Fariseo fiaigna iaho, ny sarotine indrindra amin'ny antokon'ny fivavahantsena.6Ary mitsangagna eto iaho mba ho tsaraina satria mandremby ny fampagnantenana ijay nataon'Andriamanitra tamin'ireo rajagnantsena iaho. 7Fa itiky ny fampagnantenana nandrasan'ny fokontsena rômbifolo hiresina laha nanompo an'Andriamanitra andro aman'aligna tokôtre areo. Hôn'ijane fagnantenana ijane, no hempangan'ireo Jiosy an'ahe. 8Nagnino anareo no mihevitre fa tsy ajo inôna fa manangagna ny maty Andriamanitra?9Nisy fotôgna iaho nihevitre tamin'ny tegnako fa tokone hagnano raha rahabe manohitra ny agnaran'i Jesôsy avy agny Najareta iaho. 10Nagnano ijane tagne Jerosalema iaho. Nagnidy rahabe tamin'ireo mpino tagne an-dragno kely tamin'ny fahefana niresiko avy tamin'ireo lohan'ny mpisorona iaho, ary laha vôvono areo, die nagnatrotraka ny vatoko hanohitre an-dreo iaho. 11Nisajiko imbetsake areo tagne amin'ireo synagoga abiaby ary niejaka ny hanery an-dreo mba hijaka ratsy iaho. Vignitra mahare tamin-dreo iaho ary nagnenjika an-dreo na die tagne amin'ireo tanàna agne ambadika aja.12Laha mbôla nagnano ijane iaho, die nienga tagne Damaskosy niaraka tamin'ny fahefana sy ireo didy avy amin'ireo lohan'ny mpisorona; 13ary tegne an-dàlagna negnagne, tamin'ny rômbifolo atoandro, ry Mpanjaka, die nahita hajavàna avy tegne an-dagnitra iaho ijay mamiratre loholohon'ny masoandro ary ijane die namiratre nagnodidigna an'ahe sy ireo lelahy ijay niara-dia tamin'ahe. 14Laha lavo tamin'ny tany ahay abiaby, die naharegny feo nivoria tamin'ahe iaho ijay nijaka tamin'ny jaka Hebreo hoe: "Saoly,Saoly, nagnino anao no magnenjika an'Ahe? Sarotra hônao ny handaka fagnindroane."15Avy teo nijaka iaho hoe: "Ija anao, Tompo ve? NY Tompo namaly heo: "Iaho no Jesôsy ijay injehinao.16 Ankehitriny mitsangàna amin'ny hongotrao; satria noho ijao antony ijao no nivoahako taminao, mba hanondro anao ho mpanompo sy ho vavolombelogna mahakasika ireo raha ijay fantatrao mahakasika an'Ahe ankehitriny ary ireo raha ijay hatoroko anao ao afara kely; 17ary hagnavotra anao ao amin'ny fokon'olo sy ireo Jentilisa ijay hagnirahako anao iaho,18 mba hagnasokatre ny mason-dreo ary hampitodika an-dreo hienga amin'ny hejigna hegnagne amin'ny fahajavàna ary amin'ny herin'ny Satana hegnagne amin'Andriamanitra, mba hahafahan-dreo mandray avy amin'Andriamanitra ny famelan-keloky ny fahotana sy ny lova ijay omeko an-dreo ijay nohamasinina tamin'ny finôna an'Ahe."19Noho ijane, ry Agripa mpanjaka, nagneke ny fahitàna avy tagne an-dagnitra iaho; 20fa, ny an'ireo ijay tagne Damaskosy alohake, ary avy teo tagne Jerosalema, ary nagneragna ny tanin'ny Jodia abiaby, ary koa tamin'ireo Jentilisa, nagnome an-dreo ny hafatra iaho fa tokone hibebaka sy hitodike amin'Andriamanitra areo, hagnano ny asa mendrika ny fibebahana. 21Noho ijane antone ijane no nanamboran'ireo Jiosy an'ahe tao am-pengonana sy niejaka hamono an'ahe.22Nagnampy an'ahe hatramin'ijao Andriamanitra, noho ijane die mitsangagna iaho ary mijoro vavolombelogna amin'ny olo-tsotre sy amin'ireo manan-kaja tsy hivoria n'ino n'ino mihôtra ijay nivorianin'ireo mpaminany sy Mosesy fa hiseho;23 fa tsy mentsy hijaly Kristy, ary Ijy no ho vôlohane hitsangagna sy hagnatoro fahajavàna hôn'ireo fokon'olo Jiosy sy ireo Jentilisa.''24Laha vitan'i Paoly ny ferovan-tegnane, die nijaka tamin'ny feo mahare Festosy hoe: "Paoly, very saigna anao; ny fenarana be lôtre no nahatonga anao ho very saigna."25 Fa hoy Paoly hoe: "Tsy very saigna iaho, ry Festosy tsara indrindra; fa amin'ny fahasahiana iaho nijaka tamin'ny fahamarignana sy fahamatorana.26 Fa ny mpanjaka mahafantatra mahakasika ijane raha ijane; ary noho ijane, mijaka an-kalalahana amin'ajy iaho, fa resy lahatra fa tsy nisy tamin'ijane nasitrika tamin'aje; satria tsy namboarina tagne amin'ny takogna ijane.27Mino ny mpaminany ve anao, ry Agripa mpanjaka? Fantatro fa mino anao." 28Agripa nijaka tamin'i Paoly hoe: "Ao agnatin'ny fotôgna fohike ve no handresenao lahatre an'ahe sy hagnovanao an'ahe ho kristiana?" 29Hoy Paoly hoe: "Mivavaka amin'Andriamanitra iaho, mba na ho ao agnatin'ny fotôgna fohike na fotôgna lava, tsy anao mandy, fa ireo abiaby ijay maharegny an'ahe niany mandy koa, die ho hôtran'ahe, fa tsy miaraka amin'iregny rojo iregne."30Avy teo nitsangagna ny mpanjaka, sy ny governora, sy Berenika mandy koa, ary ijay nitoboke niaraka tamin-dreo; 31laha nivôka ny tragno fivoriana areo, die nifampivoria ary nijaka hoe: "Itiky lelahy itiky tsy magnano raha mendrika ny fahafatesana na famehejana."32 Hoy Agripa tamin'i Festosy hoe: "Itiky lelahy itiky die afaka nalefa laha tsy nangihina tagne amin'i Kaisara ijy."Chapter 27
1Laha efa tapaka fa tokony hesambo ho agny Italia ahay, die najanogn'ijy ireo i Paoly sy ireo gadra hafa ho eo ambany fiahen'i kapiteny raika atao hoe Jolio ijay an'ny rezimantan'ny Amperora. 2Niditra tagnaty sambo raika avy agny Adramytena ahay, ijay hiondragna magnaraka ny sisi-tanin'ny Asia. Ka die nandeha andranomasina ahay. Aristarko avy agny Tesalonika agny Makedonia die nandeha niaraka taminay.3Ny andro magnaraka die avy tao amin'ny tananan'ny Sidona ahay, ijay nitondran'i Jolio an'i Paoly tamin'ny hatsaram-pagnahy ary nagnavela anajy handeha ho agny amin'ireo akamany handray ny fikarakaran'ijy ireo. 4Avy tagny ahay no nandeha andranomasina ary niesambo nagnaraka ny morogn'ny Kyprosy, nagnariny ny nosy, satria nanohitra anay ny rivotra. 5Aviteo niesambo namakivaky ny sisi-tanin'ny Kilikia sy Pamfilia, avy tao Myra ahay,tanànan'ny Lykia. 6Tagny, ny kapiteny die nahita sambo raika avy agny Aleksandria ijay hesambo ho agny Italia. Napetragny tao amin'ijany ahay.7Laha efa nesambo niadagna nandritry ny andro rahabe ahay ary ny farany die avy tamim-pahasahiranana teo akaikin'ny Kinidio, die tsy namela anay henga tamin'ijany lalagna ijany koa ny rivotra, ka die niesambo nagnaraka ny ilany takon-drivotra ny Kreta ahay, mifananjo amin'ny Salmona. 8Nagnara-morogna tamim-pahisahiragnana ahay, nandra- pahatongavanay tagny amin'ny toerana raika atao hoe Tsara-fitodian-sambo, ijay mariny an'ny tananan'ny Lasea.9Ary nandany fotôgna maro ahay, efa dilatra hiany koa ny fotôgna fifadienkanin'ireo Jiosy, ary efa lasa nampidi-doja ny miondragna an-sambo. Ka die nampitandrigna anajy ireo i Paoly,10 ary nijaka hoe: ''Ry lelahy, hitako fa itoy die ijay hamboaritsena itoy die hisy faharatrana sy fantiatoka rahabe, tsy hôn'ny anitegna sy ny sambo mandy, fa hôn'ny aintsena koa.'' 11Fa ny kapiteny nagnome lanja kokoa ny mpitondra sy ny tompon'ny sambo noho ireo raha ijay vôlajan'i Paoly.12Satria ao amin'ny seragnana die tsy mora laha hijanognana mandritry ny ririnina, die rahabe tamin'ireo mpesambo no nagnatoro hevitra ny hiondragna henga teo, fa sôdieba afaka handalo ny tanànan'ny Foiniksa amin'ny fomba manontolo ahay, ba hitoboka agny mandritra ny ririnina. Foiniksa die seragnana agny Kreta, ary magnatrika ny megnavaratra andrefana sy megnantsimo andrefana ijany. 13Laha efa nanomboka nitsioka malefaka ny rivotra avy agny antsimo, die nihevitra ireo tan-sambo fa nanagna je nilainy ijy ireo. Ka die nampiakatra ny vatofantsika ary niondragna nagnaraka an'i Kreta ijy ireo, nagnariny ny morondranomasina.14Fa afaka fotôgna fohike die nisy tafio-drivotra mahery, natao hoe Eoraklydona, nanomboka namely mafy avy agny amin'ny nosy. 15Laha efa tratry ny tafiotra ny sambo ary tsy afaka nanohitra ny rivotra koa, die tsy mentsy nagnome lalagna ny tafiotra ahay ary nindan'ny rivotra tegny rehetra tegny. 16Nesambo nagnaraka ny nosy kely raika atao hoe Kaoda ahay, ary tamim-pahasehiragnana no nahafahanay niaro ny lakagna famonjen'aigna.17Laha efa nampekarin'ijy ireo ny lakagna famonjen'aigna, die nampesain'ijy ireo ny tadin'ijany ba hamihejana ny vatagny ny sambo. Nangoaigna ijy ireo fa tokony handeha ambonin'ny fasika mandrevon'ny Syrtiso, ka die nalatsak'ijy ireo ny vatofantsiky ny ranomasina ary nandeha hoajy tegny. 18Tratriny familejana mahery vaikan'ny tafioka ahay ka nanjary ny andro magnaraka io die nanomboka nagnary ireo etangna tagny ambohon'ny sambo ijy ireo.19Tamin'ny andro fahatelo ireo mpesambo die nanomboka nagnary ny entagny ny sambo tagny ambohon'ny sambo tamin'ny tagnan'ijy ireo manokagna. 20Laha efa tsy namiratra taminay nandritry ny andro maro ny masoandro sy ny kintagna, ary bola namely anay ny tafiotra lehibe, die very aby manontolo ny fagnantenana ny hahavôvonjy anay.21Laha efa lasa lavitra tsy nisy rahanina ijy ireo, die nitsangagna teo amin'ireo mpesambo i Paoly aviteo ary nijaka hoe: ''Ry lelahy, tokony niteno anahy anareo, ary tsy niondragna avy lahatagny Kreta, ho tratrin'ijao faharatrana sy jao fatiantoka ijao. 22Ankehitriny die mampirisika anareo aho ba hahery , fa tsy hisy fahavirejan'aigna eo aminareo, fa fahavirejan'ny sambo mandy.23Fa tamin'ny aligna die nisy anjelin'Andriamanitra ijay Tompoko, ijay tompoiko mandy koa, nitsangna teo agnilako ny anjeliny 24ary nijaka hoe: 'Aja matahotra, ry Paoly. Tsy mentsy hitsangagna eo alohan'i Kaisara anao, ka die, Andriamanitra ao amin'ny hatsaram-pagnahy no nagnome anao ireo manontolo mesambo miaraka aminao.' 25Noho ijany, mionona, ry lelahy! Fa matoky an'Andriamanitra aho fa hitranga araka ijay vôlaja taminahy ijany. 26Kanefa tsy mentsy hidogna amina nosy rahabe antsena.''27Laha efa avy ny aligna faha efatra ambin'ny folo, laha natopatopaky ny ranomasina tetsy sy terôgna tao amin'ny ranomasin'ny Andreo ahay, tokony tamin'ny sasakaligna die nihevitra ireo mpesambo fa nagnariny tany ijy ireo. 28Die nangala refindrano ijy ireo ka nahita fa efapolo metatra ny halaligny. 29Nangoaigna ijy ireo sao die ba hidofitra amin'ny vato ahay, ka die nandatsaka vatofantsika efatra avy ao afara ijy ireo ary nivavaka ba hevien'ny mandraigna tsy ho ela.30Ireo mpesambo die nandremby fomba handôjana ny sambo ary nandatsaka ny lakagna famonjena aigna tagny andranomasina, ary mody nandatsaka ny vatofantsika avy teo andohan'ny sambo ijy ireo. 31Fa Paoly nijaka tamin'ny Kapiteny sy ireo miaramila hoe: ''Laha tsy mijanogna agnaty sambo ireo lelahy ireo, tsy ho vôvonjy anareo.'' 32Aviteo ireo miaramila die nanapaka ny tadin'ny lakagna ka die namela an'ijany hihitsoka.33Laha efa nanomboka nihanajava tsara ny andro, die nandrisika anajy ireo Paoly ba hangala rahanina bebe. Hoy ijy hoe: Itoy andro toy ny andro faha efatra ambin'ny folo ijay hembenanareo ary tsy hihinananareo; tsy nihinagna na ino na ino anareo. 34Noho ijany die mandrisika anareo aho ba hijara rahanina, fa ilaina ijany ba hahavelogna anareo. Fa tsy hisy na die raika aminareo jay ho very na die ny singam-bolon-dohany aja.'' 35Laha efa avy nijaka anijany ijy die nangala moto ary nisaotra an'Andriamanitra teo amason'ny rehetra. Aviteo ijy nijarajara ny mofo ary nanomboka nihinagna.36Avy teo die nahery ijy manontolo ary nangala rahanina mandy koa.37 Olo 276 ahay no tao agnaty sambo. 38Laha efa nihinagna tsara ijy ireo die nihamevagnindreo ny sambo tamin'ny nagnarendreo vary tagny agnaty ranomasina.39Laha efa avy ny andro, die tsy fantatr'ijy ireo ny tany, fa nahita vinagnin-drano raika nisy toram-pasika ijy ireo, ary nifandinika ijy ireo laha afaka hitondra ny sambo tegny. 40Ka die nitapahindreo ny vatofantsika ary nabelandreo tagny andranomasina. Niaraka tamin'ijay die nalatsakandreo ny tady teo amin'ny familena ary natsangagny ny lay ho eo amin'ny rivotra; ary die nenga teo amin'ny tora-pasika ijy ireo. 41Fa avy teo amin'ny toerana raike ijay nisy ranomasina nifanapake areo, ka nidogna tamin'ny tany ny sambo. Ary ny lohan'ny sambo die nirekitra teo ary nijanogna tsy afaka nihetsika, fa ny vodi-sambo koja die nanomboka vaky nohon'ny hahery vaikan'ny onja.42Ny tetik'ireo miaramila die ny hamono ireo gadra ba tsy hisy amin'ijy ireo ho afaka handeha handaogna ka hilefa. 43Fa le kapiteny te-hamonjy an'i Paoly, ka die najanognany ny tetik'ijy ireo; ary nameny beko ireo mahay mandaogna ba hilatsaka ambohon'ny sambo aloha ary ho egny an-tanety. 44Avy teo tokony hagnaraka ny ambin'ireo lelahy, ny saragny ambony hajo fisaka ary ny saragny ambony raha hafa avy tao amin'ny sambo. Hôtran'ijany no nitranga ka ny manontolo taminay die avy sômatsara tegny an-tanety.Chapter 28
1Laha efa avy sômatsara ahay, die fantatray fa ny tany die nantsoina hoe Malta.2 Ireo topo-tany die tsy nagnome hatsaram-pagnahy tsotra taminay fotsiny, fa nandrehitra afo ijy ireo ary nampandroso anay manontolo nohon'ny erika sy ny nara.3Fa laha efa namory hitay sy nampiditra an'ijany tamin'ny afo Paoly, die nisy meragna nivôka nohon'ny hafanana, ary nifahy tamin'ny tagnany. 4Laha efa nahita an'le biby nisampy teo amin'ny tagnany ireo teratany, die nifampiresaka ijy ireo hoe: ''Tena mpamono olo ijay nilefa avy tagny andranomasina io lelahy io, laha ny rariny die tsy tokony ho velogna ijy.''5Fa aviteo nangotsongojogna an'le biby hôgnaty afo ijy nefa tsy naratra mihitsy. 6Nandigny anajy ba ho voan'ny harikoditra na ho maty tampoka ijy ireo. Fa laha efa avy nijaha anajy maharitra ijy ireo ary nahita fa tsy nisy raha tsy mahajatra nanjo anajy, die niova hevitra ijy ireo ary nilaja fa ijy die andriamanitra.7Ary tamin'ny toerana nariny teo nisy an'ireo tany ijay an'le lelahy lehiben'ny nosy, lelahy atao hoe Paplio. Nandray anay ijy ary nagnome rahanina anay tamim-pahatsaram-pagnahy nandritry ny telo andro. 8Ny iaban'i Paplio die nararin'ny tajo sy fivalagnan-drà. Laha efa nandeha tagny amin'ni Paoly, die nivavaka ijy, nametraka ny tagnany taminajy teo,ary nagnasitragna anajy. 9Tafaran'ny nitrangan'ijany die nagnantogna anajy ny ambin'ny vahôka manontolo je narary teo amin'ny nosy ary nahafaka aby. 10Ny vahôka hiany koa die nagnome voninahitra anay tamin'ny voninahitra rahabe. Ary laha efa niomagna henga hesambo ahay, die nagnome anay je nilainay ijy ireo.11Afaka telo volagna ahay die nandeha niondragna tamin'ny sambo ijay nijanogna tao amin'le nosy nandritry ny ririnina, sambon'i Aleksandria, misy '''sarikamban'andriamanitra'' eo alohan'ny sambo. 12Ary laha efa avy tamin'ny tanànan'i Sirakosa ahay, die nijanogna tao nandritry ny telo andro.13Niala avy teo ahay niesambo ka avy tamin'ny tanànan'i Regioma. Ary laha efa afaka raik'andro die nisy rivotra nitsioka avy lahatagny antsimo, ka roa andro ahay die avy tao amin'ny tanànan'i Potioly. 14Tao no nahitanay ireo rahalahy sasagny ary nanasa anay ba hijanogna miaraka amindreo nandritry ny fito andro. Tamin'ny alalan'ijany no nevienay tagny Roma. 15Avy tegny ireo rahalahy, tafaran'ny naharignesandreo ny mahakasika anay, die avy nitsena anay tagny amin'ny tsenan'i Apio sy ireo tragnom-bahiny telo. Laha efa nahita an'ireo rahalahy Paoly, die nisaotra an'Andriamanitra ijy ary nahajo hery.16Laha efa niditra tao Roma ahay, die nahajo alalagna hiaraka hiaigna amin'ireo miaramila miambigna anajy Paoly. 17Ary laha efa afaka hateloana tafaran'ijay die nampangaike nikaraka ireo lelahy ijay mpitarika teo amin'ireo Jiosy ireo i Paoly. Laha efa niaraka avy ijy ireo, die nijaka tamin'ijy ireo ijy hoe: ''Ry rahalahy, nazie tsy nagnano raha ratsy tamin'olo na ny fomban-,drajantsena aja aho, die natolotra ho vôfonja tagny Jerosalema teo antagnan'ny Romana. 18Laha efa avy nagnadihady anahy ijy ireo, die nagniry ny hagnafaka anahy, satria tsy nisy antony tokony hagnamelohana anahy ho maty.19Fa laha efa nanohitra ny fagnirien'ijy ireo ny Jiosy, die vôtery aho nampagaike an'i Kaisara, na die tsy hôtran'ny hoe nitondra fitorena hanohitra ny fireneko aja. 20Nohon'ny haikako, die nangatake ny hahita anareo sy hiresake aminareo iaho. Ijany die nohon'ny fahatokisan'Israely momba ny hagnafihejana anahy amin'itoy rojo toy.21Avy teo die nijaka tamin'ajy ijy ireo hoe: ''Tsy bola nahajo an'ireo taratasy mahakasika anao avy lahatagny Jodia ahay, na rahalahy avy sy nitatitra na nijaka raha ratsy makasika anao. 22Fa tienay ho regny aminao ny eritreritrao mahakasika an'ijany sekta ijany, satria fantatray fefa ratsy laja egny rehetra egny ijany.23Laha efa nisafidy andro hônajy ijy ireo, die maro kokoa ireo olo nagnantogna anaje tagny amin'ny tragno nivahinianane. Nampahafantartra an'le raharaha tamin'ijy ireo ijy, ary nijoro vavolombelogna mahakasikan'ny fanjakan'Andriamanitra. Niejaka nandresy lahatra anajy ireo ny momba an'i Jesôsy ijy, na tamin'ny alalan'i Mosesy ijany na tamin'ny alalan'ny mpaminagny, nanomboka ny maraigna ka hatramin'ny hariva. 24Ny saragne die resy lahatra tamin'ireo raha vôlaja, raha tsy nino koja ny saragny.25Laha efa tsy nifagnaraka ijy ireo, die nanjary tafaran'ny nagnambaran'i Paoly an'itoy jaka raik'itoy hoe: ''Ny Fagnahy Masigna die nijaka tsara ireo rajagnareo tamin'ny alalan'Isaia mpaminagny. 26Hoy ijy hoe: 'Mandihana agny amin'ireo vahôka ireo ary lajay hoe: ''Amin'ny fihôgnana no harignesanareo, fa tsy hahatakatra; ary amin'ny fahitana no hahitanareo, fa tsy hahita.27Fa nihadonto ny fon'ireo olo ireo, ary sarotra amin'ny tadignin'ijy ireo ny haharegny, ary nam-py ny masony ijy ireo. Fa laha tsy ijany die afaka hahita amin'ny masony ijy ireo, ary haharegny amin'ny tadigniny, sy hahatakatra amin'ny fony ka hiverigna indraike, die hagnasitragna anajy ireo aho.'''28Noho ijany, tokony ho fantatrareo fa ijany famonjen'Andriamanitra ijany die nalefa tamin'ireo Jentilisa, ary hiteno ijy ireo.'' 29(Fagnamarihana egny amin'ny farany ambanin'ny Pejy: Asa28:29- Ny antotan-taratasy saragny die managna ny andignine 29 hoe: ''Laha efa nijaka an'ireo raha ireo ijy, die lasa ny Jiosy. Nisy fifamolagnana lehibe tamin'ijy ireo.'')30Paoly die niaigna nandritry ny roy taogna garangidigna tao amin'ny tragnony nohofana manokagna, ary nandray je rehetra avy teo amin'ajy. 31Nagnambara ny fanjakan'Andriamanitra ijy ary nampianatra ireo raha mahakasika an'i Tompo Kristy tamin'ny fahasahena manontolo. Ary tsy nisy nanakagna anaje.Romans
Chapter 1
1Paoly, mpanompon'i Jesôsy Kristy, die vôhaike ho apostoly, ary vôtokagna ho mpilaja ny filajantsaran'Andriamanitra. 2Io ilay filajantsara ijay nampagnantenainy meloha tamin'ny alalan'ireo mpaminanine tao amin'ny Soratra Masina. 3Ijany die mahakasika ny Janaka lahy, ijay terake avy amin'ny janak'i Davida araka ny nofo.4Tamin'ny fitsanganana tamin'ny mate, die vôlaja ho ilay janaka maherin'Andriamanitra tamin'ny herin'ny Fagnahin'ny fahamasignana Ijy_die Jesôsy Kritsy Tompontsena. 5Tamin'ny alalany no najahontsena fahasoavana sy ny maha-apôstôly amin'ny fagnikena ny finôna eo amin'ny firenena abiaby, noho ny Agnarane. 6Amin'ireo firenena ireo, anareo mandy koa die vôhaike ho an'i Jesôsy Kristy.7Itoy taratasy itoy die hôn-dreo abiaby ao Roma, ijay malalan'Andriamanitre, ijay vôhaike ho olo-masina. Ho aminareo anie ny fahasoavana, sy fedagnana avy amin'Andriamanitre Iabantsena sy Jesôsy Kristy Tompo.8Vôlohane, isôrako ny Andriamanitro amin'i alalan'ny Jesôsy Kristy noho ny amin-dreo abiaby, satria ny finônareo die efa nilajaina magneragna ijao totolo ijao. 9Fa Andriamanitra no vavolombeloko, ijay tompoiko ao amin'ny fagnahiko ao amin'ny filajantsaran'ny Janagne, fa tsy mijanogna mivoria anareo amin'Aje aho. 10Mangataka fehijay Aho amin'ny vavake amboariko ny mba ahombiajako amin'ny fomba abiaby araka ny sitrapon'Andriamanitre mba ho avy aminareo.11Fa iaho die magniry ny hahita anareo, mba hahafahako magnome fagnomejam-pagnahy sarasaragne hônareo, ba hampatanjaka anareo. 12Ijany, die magniry aho mba hifankaherejantsena eto amfovôntsena, amin'ny alalan'ny finônan'ny kiraidraike aby,ny anareo sy nenahe.13Amin'ijao fotôgna halako anareo tsy hahalala, ry rahalahy, hoe matetika aho no managna eritreritra hagnantogna anareo, (nefa iaho die vôsakagna mandrak'ijao fotôgna), mba hajahôna vokatra eo aminareo, hôtrany efa najahôko ny sisan'ireo Jentilisa mandy koa. 14Iaho die mpitosa amin'ireo Grika sy ireo vahiny, amin'ny kanty sy môla.15 Noho ijany, amin'ahe, die vognona mandy koa iaho hagnambara ny filajantsara hôn'anareo ijay agny Roma.16Fa iaho die tsy megnatre amin'ny filajantsara, fa ijany no herin'Andriamanitra ho famonjena ireo abiaby ijay mino, hôn'ny Jiosy aloha ary hôn'ny Grika. 17Fa amin'ijany no anehôna ny fahamarignan'Andriamanitra avy amin'ny finôna hômin'ny finôna, arak'ijay vôsoratra hoe: "Ny marina die ho velogna amin'ny finôna."18Fa ny fahavigniran'Andriamanitra die nabôke avy agny an-dagnitre manohitra ny haratsiam-pagnahy sy ny tsy fahamarignan'ny olo, ijay mandrara ny fahamarignana amin'ny alalan'ny tsy fahamarignana. 19Ijany die satria ijay fantatra mahakasikan'Andriamanitra die hitan-dreo maso. Fa najavain'Andriamanitra areo.20Fa ireo endrikane ijay tsy hita maso, ijay heriny tsy misy farane sy maha-Andriamanitra an'Aje, die hita najava tsara, nanomboka tamin'ny famorognana ijao tontolo ijao, tamin'ireo raha ijay noforognina. Noho ijany tsy managna felan-tsigny areo. 21Ijany die satria, na di'efa nahafantatra ny mahakasikan'Andriamanitra aja areo, die tsy nagnome voninahitra amin'ny maha-Andriamanitra an'Aje, na koa nisôtran'Aje. Fa koja, nanjary môla tao an-tsaigne areo, ary nihamejigna ny fo donton-dreo.22Areo die nijaka an'ajy ireo ho kante, kanefa die niha-môla. 23Ny voninahaitr'Andriamanitra tsy mety lo die natakalon-dreo sarin'endrik'olombelogna, mety lo, vorogna, biby manan-tongotra efatra, sy ireo raha mikisake.24Noho ijany die natolotr'Andriamanitra hômin'ny filàn'ny fon-dreo hômin'ny halotôn-dreo, mba ho afa-baraka eo amin-dreo mandy ny tegnan-dreo. 25Areo no nanakalo ny fahamarignan'Andriamanitra tamin'ny vandy, ary ijay midera sy manompo ny java-boary fa tsy ilay namorogna, ijay deraina madrakijay. Amena.26Noho ijany, natolotr'Andriamanitra hômin'ny filàn-dratsy mamoafady areo, fa ireo viavy ireo die nanakalo ireo fifandresana vôjagnahary tamin'ireo ijay tsy vôjagnahare.27 hôtr'ijany koa, ireo lelahy die nagnabela ny fifandresan-dreo vôjagnahary miaraka amin'ny viavy ka nampirehetin'ny filàna ara-nofo hôn-dreo samby an-dreo. Ireo die lelahy ijay nagnano fihetsike magalalabaraka miaraka amin'ny lelahy ary nandray tao amin-dreo ny sajy ijay mendrika an'ajy ireo nohon'ny fivetavetan-dreo.28Satria tsy nagneke ny hanagna an'Andriamanitra ao amin'ny fieritreretany areo, die nameny saigna tsy mendrika areo, mba hanôvana ireo raha ijay tsy mete.29Areo die feno ny hadisôna, haratsena, fagnirena, ary lolompo abiaby. Areo die feno fialognana, famonôna, fifampizizôna, fitake, ary eritreri-dratsy.30 Areo die mpifosa, mpagnendrikendrike, ary mpankahala an'Andriamanitra. Areo die mahery setra, miavogna, ary mihebohebo. Areo die mpamorogna raha ratsy, ary areo die tsy magnaja ny ray aman-drenine.31 Areo die tsy managna fahalalana; areo die tsy ajo atokisana, tsy managna fitiavana vôjagnahare, ary tsy mamindra fo.32Hain-dreo ny lalàn'Andriamanitra, fa ireo ijay magnano raha hôtr'ijany die magneva ny fahafatesana. Fa tsy ireo raha ireo mandy no amboarine, fa magneke ny hafa ijay magnano an'iregny koa.Chapter 2
1Noho ijany die tsy managna fialan-tsiny anao, ry olo, anao ijay mitsara, fa ijay itsaranao ny hafa no angnamelohana ny tegnanao. Fa anao ijay mitsara dia magnano an'ireo mandy koa. 2Nefa fantantsena fa ny fitsaran'Andriamanitra die arake ny marina laha mianjady amin' ireo ijay magnano raha hôtran'ireo ijany.3Fa hevero ijao, ry olo, anao ijay mitsara ireo ijay magnano raha hôtran'ireo na die magnano hôtran'iregny koa aja anao.Hilefa ny fitsaran'Andriamanitra ve anao? 4Sa hamevagninao ny haren'ny hatsaram-pagnahine, ny fandiferane, ary ny faharetane? Tsy fantatrao ve ny hatsaram-pagnahine die natao hitarika anao amin'ny fibebahana?5Fa ijany die ho amin'ny halehiben'ny hamafy sy tsy fibebahan'ny fonareo no agnagonanareo havignirana ho an'ny tegnanareo amin'ny andro fahavignirana, ijany die, ny andron'ny fanehoana ny fitsarana marin'Andriamanitra. 6Hamaly ny olo abiaby amin'ny fagnaranana hôtr'ireo namboariny Ijy; 7Hagnome araka ny faharetane, ny asa tsara mandremby dera, voninahitra, ny tsy fahafatesana, fiaignana mandrakijay Ijy8Fa ho an'ireo ijay mandrembe ho an'ny tegnany, ijay tsy magneky ny marina fa magneke ny tsy fahamarignana, die ho avy ny havignirana sy ny fahasiahana. 9Andriamanitra die hitondra fahorena sy fisotriana amin'ny fagnahin'ny olo abiaby ijay nagnano ratsy, amin'ny Jiosy aloha, ary amin'ny Grika mandy koa10Fa dera, laja, ary fiadagnana no ho avy amin' ireo ijay magnano ny tsara, amin'ny Jiosy aloha, ary amin'ny Grika mandy koa. 11Fa tsy misy fiangarana miaraka amin'Andriamanitra. 12Fa ijay rehetra magnota tsy managna ny lalàna die ho vere tsy managna lalàna mandy koa, ary ijay abiaby nagnota niarake tamin'ny fagnajana ny lalàna die ho tsaraina araka ny lalàna.1314Fa tsy ireo mpaharegne ny lalàna no marina eo ankatrehan'Andriamanitra, fa ireo ijay mampihatra ny lalàna no nohamarignina. Fa ireo Jentilisa, ijay tsy managna ny lalàna, laha magnano ny raha momban'ny lalàna araky ny vôjanahary, die areo no lalàna ho an'ny tegnany, na die tsy managna ny lalàna aja areo15Amin'ijany no agnaboahan-dreo fa ny asa angatahan'ny lalàna die vôsoratra ao am-pon-dreo.Ny fieritreretan-dreo mandy koa dia vavolombelogna ho an-dreo, ary ny fisaignan-dreo manokagna die magnameloka na miaro an-dreo amin'ny tegnan-dreo 16ary koa amin'Andriamanitra. Ijany die hibôke amin'ny andro ijay hitsaran'Andriamanitra ireo tsiambaratelon'ny olo abiaby, araka ny filajantsarako, amin'ny alalan'i Jesôsy Kristy.17Fa laha ôhatran'ny ka Jiosy no angehanao ny tegnanao ary miankina amin'ny lalàna sy mirehareha ao amin'Andriamanitra, 18ary mahalala ny sitrapony sy mamantatra ijay raha tsara loholoho satria nampianarina tamin'ny lalàna anao; 19ary laha ôhatran'ny ka resy lahatra anao fa ny tegnanao die mpitarika ny jamba, fahajavana ho an-dreo ijay ao amin'ny menjigna, 20mpagnitsy ny môla, mpampianatra ny jajakely, ary anangnanao ao amin'ny lalàna ny endriky ny fahalalana sy ny marina, dia ahôna ijany no fiantraikan'ijany amin'ny fomba hiaignanao ny fiaignanao?21Ary anao, ijay mampianatre ireo saragne, tsy mampianatre ny tegnanao ve anao? Anao ijay mitory manohitre ny halatre, mangalatre ve anao? 22Anao ijay mijaka fa tsy tokony hijanganjanga, mijangajanga ve anao? Anao ijay mankahala ny sampy, mandroba ireo tempoly ve anao?23Anao ijay faly mirehareha ao amin'ny lalàna, magnala baraka an'Andriamanitra ve anao amin'io fandikanao ny lalàna io? 24Fa ny agnaran'Andriamanitra die efa afa-baraka teo amin'ireo Jentilisa noho anareo, "arake ijay efa vôsoratre.25Fa mahajo tombony amin'ny famorana tokôtre anareo laha ôhatre ka magneke ny lalàna, fa laha mandika ny lalàna anareo, dia lasa tsy vôfora na die efa vôfora aja anareo. 26Arak'ijany, raha olo tsy vôfora no mitandrigna ijay takian'ny lalàna, tsy hatao ho isan'ny vôfora ve ijy na die tsy vôfora aja? 27Ary tsy ho helohin'ilay raike ijay tsy mifora ara-boajagnahare ve anareo laha ôhatra ka mitandrigna ny lalàna ijy? Ijany die satria managna ny lalàna vôsoratre sy ny famoràna anareo, nefa mbola mandika ny lalàna!28Fa ijy die tsy Jiosy amin'ny endrika ivelagne fotsiny; na amin'ny famoràna ijay miseho amin'ny endrika ivelan'ny nofo fotsiny. 29Fa ijy die jiosy ao anaty, ary ny famorana ijay an'ny fo, ao amin'ny Fagnahy, fa tsy ao amin'ny soratre. Ny fiderana ny olona hôtran'ijany die tsy avy amin'ny olo fa avy amin'Andriamanitra.
Chapter 3
1Ka ino ary ijany ny tombotsoa anagnan'ny Jiosy? Ary ino no tombotsoan'ny famoràna?2 Tsara ijany amin'ny fomba abiaby. Vôlohany indrindra, ireo Jiosy die nametrahana ny fagnambarana avy amin'Andriamanitra.3Fa aôna laha tsy manam-pinoana ireo Jiosy saragne? Ny tsy finôn-dreo ve no hahatonga ny fahatokian'Andriamanitra tsy ho tanterake?4 Tsy hisy mihitsy anie ijany. Fa koja, abilay ho hita fa marina Andriamanitra, na die mpivandy aja ny olo kiraidraike. Araka ny vôsoratra hoe: "Habôke amin'ny jakanareo fa olo-marina anareo, ary abôke laha avy amin'ny fitsarana anareo."5Fa laha toa ny tsy fahamarignantsena no magnatoro ny fahamarignan'Adriamanitra, ino no ajontsena hatoro? Afaka mijaka ve antsena fa tsy marina Andriamanitra amin'ny fagnaboahane ny havignirany amintsena, sa tsy ijany? (Mampiasa lahan-tenin'olombelogna aho.) 6Tsy hisy mihitsy anie ijany! Satria amin'ny fomba akory ary no hitsaran'Andriamanitra an'ijao tontolo ijao?7Fa laha toa ny fahamarignan'Andriamanitra ka magnome fiderana betsake hôn'Ajy amin'ny alalan'ny vandiko, die nagnino ary iaho no mbola tsaraina ho mpanota? 8Fa nagnino no tsy mijaka, araka ny tatitra diso ijay jakaina fa jakaintsena, ary koa araka ny amafisin'ny saragne fa nijakaintsena hoe: "Abilay ahay hagnano ratsy, mba hevian'ny soa" Rarine ny fitsarana amboarina amin-dreo.9Die ino ary? Magnome rariny ny tegnantsena ve antsena? Tsy ijany mihitsy. Fa antsena die efa nagnameloka ny Jiosy sy ny Grika, ijy abiaby, ho mpanota. 10Ijany die araky ny vôsoratra hoe: "Tsy misy olo-marina, na die raika aja.11Tsy misy ndre raika aja mahalala. Tsy misy nadre raika aja mirembe an'Andriamanitra. 12Lasa nisitaka avokoa ijy abiaby. Lasa tsy misy ilànan'ajy ijy abiaby. Tsy misy mba magnano ny tsara, na die raika mandy aja.13Ny tendan-dreo die kibory mivoha. Ny lelan-dreo die mivande. Ny poijinan'ireo bibilava die ao ambanin'ny molotran-dreo. 14Ny vavan-dreo die feno ojogna sy andolom-po.15Ny tongotran-dreo die havanana amin'ny fandatsahan-drà. 16Ny fanimbàna sy ny fahasahiragnana die egny amin'ny lalagnan-dreo. 17Iregny olo iregny die tsy nahafantatra ny lalagnan'ny fedagnana.18 Tsy mba misy havakana an'Andriamanitra eo alohan'ny mason-dreo."19Amin'ijao fotôgna die fantantsena fa n'ino n'ino jakain'ny lalàna, die miantefa amin'ireo ijay ambany lalàna. Ijany die mba hahatonga ny vavan'ny kiraidraike hangigna, ary mba handray valiny avy amin'Andriamanitra ijao tontolo ijao. 20Ijany die satria tsy hisy vatagna hamarignina amin'ny asan'ny lalàna eo amasone. Fa amin'ny alalan'ny lalàna no hevian'ny fahafantarana ny fahotana.21Fa amin'ijao fotôgna die nampahafantarina mandy koa ny fahamarign'Andriamanitra tsy amin'ny lalàna. Nohamarignin'ny lalàna sy ireo mpaminany,22 fa ijany, no fahamarignan'Andriamanitra amin'ny alalan'ny finôna an'i Jesôsy Kristy hoan'ijay abiaby mino. Satria tsy misy fagnavahana.23Fa nagnota ny olo abiaby ka tsy managna ny voninahitr'Andriamanitra, 24ary areo die hamarignina maimaimpôgna amin'ny fahasoavane amin'ny alalan'ny fagnavotana ijay ao amin'ny Kristy Jesôsy.25Fa Andriamanitra nagnome an'i Kristy Jesôsy ho rakitra amin'ny alalan'ny finôna ny ràny. Natolotrane ho porofon'ny fahamarignany Kristy, nohon'ny tsy fijahana ny ota tagne aloha 26amin'ny fahadignasana. Niseho ijany abiaby ijany ho fanehoana ny fahamarignane amin'ijao fotôgna ankehitriny ijao. Ijany die mba hahafahany magnaporofo fa marina ny tegnane, ary mba hanehôna fa Ijy die magnamarina ny abiaby nohon'ny finôna an'i Jesôsy.27Aja ary ijany ny fihebohebôna? Vôfafa ijany. Fa ino no antone? Amin'ny asa ve? Tsiare, fa nohon'ny finôna. 28Manapa-kevitra ijany antsena fa ny olo raike die hamarignina araka ny finôna tsy misy ireo asan'ny lalàna.29Sa Andriamanitry ny Jiosy rery mandy ve Andriamanitra? Moa ve tsy Andriamanitr'ireo Jentilisa koa Ijy? Ieke,an'ny Jentilisa koa.30 Laha, raika mandy Andriamanitra, die hohamarigniny amin'ny finôna ireo vôfora, ary ireo tsy vôfora koja amin'ny alan'ny finôna.31Foagnantsena amin'ny alalan'ny finôna ary ve ijany ny lalàna? Tsy hisy mihitsy anie ijany! Fa koja, mankatò ny lalàna antsena.Chapter 4
1Ino ary no ho jakaintsena fa hitan'i Abrahama, raitsena tagny aloha arake ny nofo?2 Fa laha nihamarignina tamin'ny asa Abrahama,die nanagna ny antone manokagna hireharehane ijy, fany tsy eo anatrehan'Andriamanitra. 3Fa ino ny jakain'ny Soratre Masina? ''Abrahama die nino an'Andriamanitra, die nisaina ho fahamarinana ijany.''4Ary ho an'jay miasa, ny karamane die tsy isaina ho fahasoavana, fa ho toy ijay trosa.5 Fa ho an'ijay tsy miasa koja nefa mino an'Ilay iray ijay magnamarina ny mpanohitre an'Andriamanitra, die isaina ho fahamarinana ny finoane.6Davida mandy koa die manognona tso-drano amin'olo ijay isain'Andriamanitra ho marina nefa tsy miasa.7 Hoy ijy hoe: ''Sambatre ireo ijay vôvela ny helogne,ary koa ireo voasarogna ny fahotane.8 Sambatre ijay tsy hisain'ny Tompo heloke.''9Amin'ireo vôfora mandy ve no hanognonana ijany tso-drano ijany, sa amin'ireo tsy vôfora koa? Fa hoy atsena hoe: ''Ny finôna die nisain'i Abrahama ho fahamarinana.''10 Koa ahôna ary no nagnisana ijany?Tamin'i Abrahama efa vôfora, sa tamin'ijy tsy mbola vôfara? Tsy tamin'ijy mbola tsy vôfora.11Abrahama die nandray ny famantaran'ny famoràna. Ijay die marika ny fahamarinan'ny finôna ijay efa nanagnane raha mbola tsy vôfora ijy. Ny valin'ijany famantarana ijany die lasa iaban'ijay mino aby ijy, na die mbola tsy vôfora aja ijy ireo. Midika ijany fa ny fahamarinana die ho isaina ho ajy reo.12 Nidika koa ijany fa Abrahama die lasa iaban'ny vôfora tsy ho an'ireo vôfora irere mandy fa ho an'ireo ijay magnarake ny dien'ny finoan'i Abrahama iabantsena ihiany koa talohan'ny tsy mbola naha-vôfora anaje.13Fa ny fampagnatenana tamin'ny Abrahama sy ireo taranagny fa ho mpandova ijao tontolo ijao ijy die tsy avy amin'ny alalan'ny lalàna fa avy amin'ny alalan'ny fahamarignan'ny finôna.14 Fa laha ireo ijay miaigna amin'ny lalàna no mpandova, die ho fôgna ny finôna, ary tsinotsinona ny fampagnantenana.15 Satria ny didy die mitondra amin'ny havignirana, fa agny amin'ijay tsy misy lalàna, die tsy misy fandikan-dalàna.16Noho ijany antony ijany die mibôke amin'ny finôna ijany, mba hipetrahan'ny fampagnatenana amin'ny fahasoavana ary ho ajo toky ami'ireo taranak'i Abrahama dahôlo _ tsy ho an'ireo ijay ambanin'ny lalàna mandy, fa ho an'ireo ijay mijara ny finoan'i Abrahama mandy koa. Iabantsena aby ijy,17 arake ny vôsoratre hoe: ''Namboariko ho Iaban'ny firenana maro ianao. ''Teo amin'ny fagnatrehan'Ialy nitokiany Abrahama, die, Andriamanitra ijany, ijay magnome fiaignana ireo mate ary mangaike ireo raha tsy fisy mba hisy.18Ndre die teo aja ireo raha-nitranga ivelagne die natoky tanterake an'Andriamanitra i Abrahama amin'ny ho avy. Ka lasa iaban'ny firenena rahabe ijy, arake ijay efa vojaka hoe: '' Ho hôtran'ijany ny taranakao.19 '' tsy marefo tamin'ny finôna ijy. Fantan'i Abrahama fa tsy afake ny hanagn'anake ijy (satria efa tagny amin'ny jato-taogna tagny ijy). Nagneky mandy koa ijy fa ny trokan'i Saraha die tsy afake hitoerananake koa.20Fany nohon'ny nampagnatenain'Andriamanitra, die tsy nilasalasa tamin'ny tsy finôna i Abrahama. Fa koja, niha-mahery tamin'ny finôna ijy ary nidera an'Andriamanitra.21 Resy lahatre tokôtre ijy fa ijay nampagnantenain'Andriamainitra, Die afake tanterahine avy koa. 22Noho ijany die nisaina ho ajy ho fahamarinagna ijany.23Ary die tsy nosoratana ho tombotsoane rerike mandy ijany, fa nisaina ho anaje ijany. 24Nosoratana ho antsena mandy koa ijany, ho an'jay hagnisana ijany, atsena jay mino Ajy ijay nanangagna an'i Jesôsy Tompontsena tamin'ny mate.25 Ijy Ilay iray nomena noho ireo fahotantsena ary die natsangagna mba hagnamarina atsena.Chapter 5
1Satria nohamarinina tamina finôna antsena, die managna fedagnana miaraka amin'Andremanitre amin'ny alalan'ny Tompotsika Jesôsy Kristy. 2Amin'ny alalany mandy koa no anagnatsena lalagna amin'ny finôna mandeha agny amin'ijay fahasoavana ijay ijorôntsena ijany. Mifalifaly amin'ny fahatokena amen'Andremanitre anay amin'ny ho avy ijahay, fahatokena ijay ho jaraintsena ao amin'ny voninahitr'Andriamanitra.3Tsy amin'ijay mandy, fa antsena mandy koa die mifaly ao amin'ny fahorentsena. Fantatsena fa ny fahorena die mamokatra faharetana. 4Ny faharetana miteraka fankatoavana, ary ny fankatoavana miteraka fahatokiana ho amin'ny hoavy.5 Ijany toky ijany die tsy mandiso fagnantenana, satria ny fitiavan'Andriamanitra die narotsaka tao am-potsena tamin'ny alalan'ny Fagnahy masina. ijay namena antsena.6Fa laha bola nalemy antsena, die maty ara-potôgna ho an'ny ratsy fagnahy Kristy. 7Fa sarotra ho an'ny olo raike ny ho faty ho an'ny olo marina. Fa, angamba misy oloraike sahy ho faty hoan'nolo tsara.8Fa Andriamanitra maneho ny fitiavany manokagna ho antsena, satria laha bola magnota antsena, die maty ho antsena Kristy. 9Mihôtra noho ijany aja, ankehitriny. Rala nohamarinina tamin'ny ràne antsena, die ho vôvonjin'ny jany amin'ny fahavigniran'Andriamanitra.10Fa laha, bola fahavalo antsena, die nihavana tamin'Andriamanitra tamin"ny alalan'ny fahafatesan'ny janagne, ary nihôtra noho ijany, laha avy nampihavanina, die ho vôvonjy amin'ny alalan'ny aigny antsena. 11Ary tsy jay mandy, fa antsena mandy koa die mifaly ao amin'Andriamanitra amin'ny alalan'i Tompotsena Jesôsy Kristy, ijay najahôntsena ijany fihavanana ijany ankehitriny.12Noho ijany ary, hôtran' ny nidiran'ny ota tamin'ny olo raike tamijao totolo ijao, die hôtran'ny jay koa no nidiran'ny fahafatesana tamin'ny alalan'ny ota. Ary ny fahafatesana die niely tamin'ny olo manotolo, satria samy nagnota aby ny olo manotolo. 13Nandram-pisen'ny lalàna, die teto aminijao totolo ijao ny ota, fa tsy misy fagnisan-keloka laha tsy misy lalàna.14Nefa na ijany aja, ny fahafatesana die nanjaka nanomboka tamin'ny Adama ka hatramin'i Mosesy, na die teo amin'ireo jay tsy nagnota hôtran'ny tsy fankatoavan'i Adama aja, ijay tandindon'ilay ho avy.15 Nefa na ijany aja, ny fagnomejana die tsy hôtran'ny fahidisôna. Fa laha tamin'ny alalan'ny fahadisôn'ny raike no nahafy ny maro, die mihôtra lavitra ny nataon'ny fahasoavan'Andriamanitra sy ny fagnomejana avy amin'ny fahasoavan'Ilay olo raike, Jesôsy, Kristy namena be hoan'ny maro16Fa ny fagnomejana die tsy hôtran'ny vokatra lahatamin'ilay iray jay nagnota. Fa amin'ny lafony raike, avy ny fitsarana ho fagnamelohananohon'ny fahadisôn'ny olo raike. Fa amin'ny lafiny raika hafa, ny fagnomejana mefara amin'ny fagnamarinana die avy tafaran'ny fahadisôna maro.17 Fa laha, tamin'ny alalan'ny fahadisôn'ny raike, no hanjakan'ny fahafatesana amin'ny raike, die mihôtra lavitre noho ijany ny fanjakan'ireo ijay mandray ny haben'ny fahasoavana sy ny fagnomejan'ny fahamarinana amin'ny alalan'ny fiegnan'ny raike, die Jesôsy Kristy.18Noho ijany are, satria tamin'ny alalan'ny fahadisoan'ny raike no nahatonga ny olo ho amin'ny fagnamelohana, die amin'ny alalan'ny asan'ny fahamarinan'ny raika maindy koa no hatongavan'ny fahamarinana ny fiegnana ho an'ny olo manotolo. 19Fa satria avy amin'ny tsy fankatoavan'olo raike no nahatonga ny maro ho mpanota, die amin'ny alalan'ny fankatoavan,ny raike mandy koa no maha tonga ny maro ho marina.20Fa avy tamijany ny lalàna, mba ho lehibe ny fahadisôna. Nefa laha nihalehibe ny fahotana, die vôha meka nihalehibe ny fahasoavana. 21Nitranga ijany mba, hôtran'ny nanjakan'ny fahotana tamin'ny fahafatesana, die hôtran'ny ijany koa ny hanjakan'ny fahasoavana amin'ny alalan'ny fahamarinana ho amin'ny fiegnana mandrakijay amin'ny alalan'ny Jesôsy Kristy Tompotsena.Chapter 6
1Ino ary no ho lajaintsena? Tokony hanohy amin'ny fahotana ve antsena ba hitohijan'ny fahasoavana?2 Tsy hisy mihitsy anie ijane. Antsena je-maty ny amin'ny ota, amin'ny fomba akory moa no bola hiegnantsena amijany hiany?3 Tsy fantatrareo ve fa ireo rehetra namboarina batisa tao amin'ny Kristy Jesôsy die natao batisa tao amin.ny fahafatesany?4Koa, vôlevigna, niaraka taminaje tamin'ny alalan'ny batisa ho amin'ny fahafatesana antsena. Nitranga ijany ba ho toy ny nananganana an'i Kristy tamin'ny mate tamin'ny voninahitry ny Ray, no andihanantsena amin'ny fiegnam-baovao ihiany koa. 5Fa laha mikambagna Aminaje amin'ny endriky ny fahafatesany antsena, die hikambagna amin'ny fitsanganany hiany koa.6Fantatsena ijany, fa ny vantantsena taloha die nifantsihina niaraka taminaje, ba hamotehana ny tegnan'ny ota. Nitranga ijany ba tsy ho andevojin'ny ota koa antsena.7 Ijy ijay mate die nijakaina fa marina sady afaka tamin'ny fahotana.8Fa laha maty niaraka tamin'ny Kristy antsena, die mino fa hiaraka velogna aminajy hiany koa. 9Antsena die nahalala fa nitsangagna tanin'ny maty Kristy, ary die tsy maty itsony Ijy. Tsy manjaka aminaje koa ny fahafatesana.10Fa laha momban'ny fahafatesana die maty noho ny amin'ny fahotana Ijy, maty indray mandeha ho an'ny rehetra Ijy. Kanefa, ny fiegnana ijay hiegnany die iegnany ho an'Andremanitre. 11Die tahaka anijay, tsy mentsy mihevitra ny tegnanareo ho efa maty amin'ny fahotana ihiany koa anareo, fa velogna ho an'Andremanitre ho ao amin'ny Kristy Jesôsy.12Noho ijany aja avela hanjaka amin'ny tegnanareo mety maty ny ota ba hanarahanareo filàn-dratsy.13 Aja atolotra ho an'ny fahotana ny ratsam-batagnareo, ho fitôvana ampesaina amin'ny tsy fahamarinana. Fa atolory hôn'Andremanitra ny tegnanareo, toy ny nitsangagna tamin'ny maty ijay velogna ankehitriny. Ary atolory hôn'Andremanitra ny ratsam-batagnareo ba ho fitôvana ampesaina amin'ny fahamarinana. 14Aja avela hanjaka aminareo ny ota. Satria tsy ambanin'ny lalàna anareo fa ambanin'ny fahasoavana15Ka ino ary? Tokony hagnota ve antsena satria tsy ambanin'ny lalàna, fa ambanin'ny fahasoavana? Tsy hisy mihitsy anié ijany.16 Tsy fantatrareo ve fa ilay ray ijay nanoloranareo ny tegnanareo ho mpanompo die ilay ray ijay hankatoavinareo, ilay hany tsy mentsy hankatoavinareo? Marina ijay na mpanompon'ny fahotana ijay mitarika agny amin'ny fahafatesana anareo, na mpanompon'ny fankatoavana ijay mitarika ho agny amin'ny fahamarinana.17Fa isôrana Andremanitre! Satria efa mpanompon'ny fahotana anareo, kanaefa nankato tao am-po nareo ny fomba fampenarana ijay namena anareo.18 Nafahina tamin'ny ota anareo, ary natao mpanompon'ny fahamarinana.19Mijaka tahaka ny olo aho noho ny fahalemen'ny fonareo. Satria vantany vôha nanolotra ny ratsam-batagnareo ho andevon'ny fahalotôna sy ny ratsy anareo, die tahaka anijany koa ijao, atolory ho andevon'ny fahamarinana ho amin'ny fahamasinana ny ratsam-batagnareo.20 Fa tamin'areo bola andevon'ny ota, die afaka tamin'ny fahamarinana.21 Amijao, ino ary ny vokatra ajonareo tamin'ireo javatra ijay mahamegnatre anareo ankehitriny? Satria ny vokatrireo raha ireo die ny fahafatesana.22Fa ankehitriny raha efa nafahina tamin'ny ota anreo ary tonga mpanompon'Andremanitre, die mijinja ny fahamasinana. Ny vokatre die ny fiegnana mandrakijay. 23Fa ny tambin'ny ota die ny fahafatesana, fa ny fagnomejan'Andremanitra koja die ny fiegnana mandrakijay ao amin'ny Jesôsy Kristy Tompotsena.Chapter 7
1Sa tsy fantatrareo, ry rahalahy( satria mivoria amin'olo mahay ny momban'ny lalàna aho), fa ny lalàna die mibeko ny olo raike raha mbola velogna koa ijy?2Fa ny viavy ijay manambady die vôfatotre ny lalàna amin'ny vadiny laha mbola velogna ijy, fa laha maty ilay vadiny, die afaka amin'ny lalàna fanambadiena ijy. 3Noho ijany, laha mbola velogna ny vadiny, raha ohatra miray amina lelahy hafa ijy, die ho angihina hoe mpijangajanga ijy. Fa laha maty ilay vadiny, die afaka amin'ny lalàna ijy, ka tsy mpijangajanga ijy raha ohatra ka miray amina lelahy hafa.4Noho ijany, ry rahalahiko, die natao maty tamin'ny lalána ihiany koa anareo tamin'ny alalan'ny tegnan'i Kristy. natao ijany ba hikambagnanareo amin'ny hafa, ijany hoe, amin'Ijy ijay natsangagna tamin'ny maty, mba ahafahantsena mamokatra voa ho an'Andriamanitra. 5Fa tamintsena tao ao amin'ny nofo, ireo filàn'ny fahotana ijay nohetsehin'ny lalàna, die niasa tao amin'ireo ratsantsena ba hamokatra voa ho an'ny fahafatesana.6Fa ankehitriny die nafahana tamin'ny lalàna antsena. Maty tamin'ilay namehy antsena antsena. Ijany die ba hafahantsena manompo amin'ny havaojam-pagnahy, fa tsy amin'ny fahanteran'ny soratra.7Ino ary ny hijakaintsena? Ny lalàna mihitsy ve no fahotana? Tsy hisy mihitsy anie ijany. Kanefa, tsy ho nahafantatra ny fahotana mihitsy aho, laha tsy tamin'ny alalan'ny lalàna ijany. Fa tsy ho nahafantatra ny fitsiriritana aho raha tsy nijaka ny lalàna hoe: "Aja mitsiriritra." 8Fa nangala vahagna tamin'ny didy ny fahotana ka naha avy ny fitsiriritana rehetra ato aminahe. Fa laha tsy misy ny lalàna, die maty ny ota9Taloha aho die velogna tsy nisy lalàna, fa laha avy ny didy, die velogna indray ny ota, ka maty aho. 10Ny didy jay tokony hitondra fiegnana no nivadika ho fahafatesana hônahe.11Fa ny fahotana die nangalavahagna tamin'ny alalan'ny didy ka namitaka anahe. Tamin'ny alalan'ny didy no namonône anahe. 12Noho ijany ny lalàna die masina, ary ny didy die masina, marina, ary tsara.13Koa moa ve nivadika fahafatesana hônahy ijay tsara? Tsy hisy mihitsy anie ijany. Fa ny ota, mba ahafany hiseho ho fahotana amin'ny alalan'ny jay tsara, die nitondra fahafatesana taminahe. Ijany die mba ho amin'ny lalan'ny didy, ny fahotana die mety ho tonga tena fahotana tokôtra. 14Fa fantatsena fa aram-pagnahy ny lalàna, fa iaho avy amin'ny nofo. Efa namidy ho ao ambanin'ny fagnandevojan'ny ota aho.15Fa ny raha ataoko, die tsy tena ajoko tsara. Satria ijay tieko atao, die tsy ataoko, ary je-halako, die ataoko. 16Fa laha magnano je- tsy tieko aho, die miray hevitra amin'ny lalàna fa tsara ny lalàna.17Fa ankehitriny die tsy iaho koa no magnano ijany, fa ny fahotana ijay velogna ato agnatiko.18 Fa fantatro fa ato aminahe, ijay ato amin'ny nofoko, die tsy misy raha tsara miaigna. Fa ny fagnirian'ny tsara die ato aminahe, saingy tsy afa-magnano ijany aho.19Fa ny tsara je-tieko die tsy ataoko, fa ny ratsy je-tsy tieko, no ataoko.20 Ary raha magnano je-tsy tieko atao aho, die tsy iaho koa no miasa ijane, fa koja ny fahotana ijay miaigna ato aminahe. 21Ary, iaho die nahita, fa ny fitsipika ato aminahe fa te hanao ijay tsara aho, saingy ny ratsy no atao aminahe ijao.22Fa mifalifaly ao amin'ny lalàn'Andriamanitra aho amin'ny fagnahy maha olo. 23Kenefa mahita fitsipikaraike hafa ao amin'ny momban'ny tegnako. Ijany die miadyamin'ijany fitsipika vaovao ao ansai-ko ijany. Mitajogna anahy ho babon'ny fitsipiky ny fahotana ijay ao amin'ny momba ny tegnako ijany.24Olo-mahantra aho! ija no hagnafaka anahe amin'itoy tegnan'ny fahafatesana itoy?25 Fa isôrana Andriamanitra amin'ny alalan'ny Jesôsy Kristy Tompotsena! Noho ijane, iaho die manompo ny lalàn'Andriamanitra amin'ny saiko. Na die ijany aja, die manompo ny fitsipiky ny fahotana amin'ny nofo aho.Chapter 8
1Noho ijany die tsy misy fagnamelohana koa amin'ijao hoa an'ireo jay ao amin'ny Kristy Jesôsy.2 Fa ny fitsipikan'ny Fagnahin'ny fiaignana ao amin'ny Jesôsy Kristy no nagnafake anahy tamin'ny fitsipikan'ny fahatona sy ny fahafatesana3Fa ijay tsy afaka nataon'ny lalàna nohon'ny fahalemin'ijany tamin'ny nofo, die nataon'Andriamanitra. Nagnirake ny Janagne lahy tokana Ijy tamin'ny endriky ny nofo feno fahotana mba ho fagnititre ho an'ny ota, ary nagnameloka ny ota tao amin'ny nofo ijy.4 Namboariny ijany mba ho tanterake amin-tsena ny raha tadiavin'ny lalàna, atsena ijay mandeha tsy araka ny nofo, fa araka ny fagnahy.5 Ireo ijay miaigna araka ny nofo mifantoke amin'ireo raha ny nofo, fa ireo jay velogna araka ny fagnahy die mifantoke amin'ireo raha ny fagnahy.t6Satria ny fisaignana miorigna amin'ny nofo die fahafatesana, fa ny fisaignana miorigna amin'ny Fagnahy koja die fiaignana sy fiadagnana. 7Ny fisaignana miorigna amin'ny nofo die fandrafena eo akatrehan'Andriamanitra, fa tsy mifagnarake amin'ny lalàn'Andriamanitra ijany, no sady tsy haine akory ny magnano ijany.8 Ireo ijay ao amin'ny nofo die afake ny ho ankasitrahan'Andriamanitra.9Nefa, anareo die tsy ao amin'ny nofo fa ao amin'ny Fagnahy, laha marina fa miaigna ao aminareo ny Fagnahin'Andriamanitra. Fa laha misy olo tsy managna ny Fagnahin'i Kristy, die tsy Ajy ijy.10 Laha ao aminareo Kristy, die maty nohon'ny fahotana ny vatagna, fa ny fagnahy die velogna nohon'ny fahamirignana.11Laha ny Fagnahin'Ilay nanagnana an'i jesôsy tamin'ny maty no velogna ao aminareo, die Ijy ijay nanangana an'i Kristy tamin'ny maty no hagnome fiaignana mandy koa ho an'ny tegnanareo ijay mety maty amin'ny alalan'ny Fagnahy, ijay velogna ao aminareo.12Noho ijany, ry rahalahy, die mpitrosa antsena, fa tsy ao main'ny nofo mba hiaigna arake ny nofo.13 Fa laha miaigna arake ny nofo anareo, die ho fate, fa laha amin'ny fagnahy ijay amonoanareo ny asan'ny tegna, dia ho velogna anareo.14Fa hôtran'ny ireo abiaby vôtarike ny Fagnahin'Andriamanitra, ijy ireo no janak'Andriamanitra.15 Fa tsy nandray ny fagnahin'ny fagnandevojana koa anareo ka hangoaigna. Fa koja, nandray ny Fagnahin'ny fananganan-janake anareo, ijay hangaingaike antsena hoe: ''Aba, Ray ô!''16Ny Fagnahy mihintsy no vavolombelogna amin'ny fagnahintsena fa janak'Andriamanitre antsena 17. Laha janaka antsena, die mandova mandy koa, mandova an'Andriamanitra. Ary mpiray lova ao amin'ny Kristy antsena, laha mijaly tegnane miarake Aminajy tokotre antsena die amem-boninahitre miarake Aminaje koa.18Fa heveriko fa ireo fijalina amin'ijao fotôgna ijao die tsy magneva ampitovina amin'ilay voninahitra ijay ho havôke amin-tsena.19 Fa ny vôhary manontolo ijay magnategna mafy die mandigny ny fampisehoana ireo janak'Andriaminatra.20Fa ny vôhary die namboarina ho raha-tsimanambatrake, tsy nohon'ny sitrapone rerike, fa noho Ilay nambôtre ijany. Ijany die ao amin'ilay toky namena21 fa ireo vôhary mihintsy no halaina amin'ny fagnandevojan'ny fahalòvana, ary hitondra agny amin'ny fahafahana ny amin'ny voninahitry ny janak'Andriamanitra ijany.22 Fa fantantsena fa ny vôhary abiaby die miara-misento sy miara-miasa ao agnatin'ny fanaitaignana na amin'ijao aja.23Tsy ijany mandy,fa na ny tegnantsena aja , ijay managna ny vôloham-bokatre ny fagnahy_ na ny tegnantsena aja die misento ao agnatintsena, mandigny ny fananganana antsena ho janake, die ny fagnavotana ny tegnantsena.24 Fa tamin'ijany toky ijany no namonjena antsena. Fa ijay atokisantsena fa hitranga die mbola tsy hita, fa ija no mandigny am-pahatokisana ijay efa hitane?25 Fa laha matoky amin'ijay mbola tsy hitantsena antsena, die mandigny ijany am-paharetena26Hotran'ijany koa, ny Fagnahy dia magnampe ao amin'ny fahalementsena. Fa antsena tsy mahafantatre iajy vavake tokone hamboarintsena, fa ny Fagnahy mihintsy no mifona ho antsena amin'ny fisentoana tsy hay jakaina.27 Ijy ijay mandinike ny fo no mahafatatre ny hevitry ny Fagnahy, satria Ijy no mibaboke ho an'ny mpino arake ny sitrapon'Andriamanitra28Fantantsena fa ho an'ireo ijay tia an'Andriamanitra, die miaraka ampesaine ho amin'ny tsara aby ny raha abiaby, ([Fanamarihana:Laha tokone hoe ''Miarake ampesaine ho amin'ny tsara aby ny raha abiaby,'' die ny dikan-teny saragne taloha magnano hoe:''Ny raha aby dia miarake miasa ho amin'ny tsara.'']) ho an'ireo jay vôhaike arake ny fandaharane. 29Satria ireo ijay fantane meloha, die notondroine meloha mandy koa mba hitovy endrika amin'ny janagne, mba ho talagnolo eo ampovôn'ireo rahalahy rahabe ijy.30 Ireo ijay notondroina meloha, die nangihine mandy koa. Ireo ijay nangihine, die nohamarignine mandy koa. Ireo ijay nohamarignine, die namene voninahitre mandy koa.31Ino ary ny tokony hijakaintsena momba ireo raha ireo? Laha momba antsena Andriamanitra, ija moa ny mahangoaigna antsena?32 Ijy ijay tsy niaro ny Janagne lahy tokany fa nanolotre Ajy ho antsena aby, ahôna no tsy hagnomejany antsena maimaimpôgna miarake Aminy ny raha-manontolo mandy koa?33Ija no hitondra fiampangana hamaly ireo olom-bôfidin'Andriamanitra? Andriamanitra no ilay raike jay magnamarina ijany. 34Ija ilay raike hagnameloke? Kristy no ilay iray maty ho antsena, ary magnôtre ijany, natsangane mandy koa Ijy. Manapake miarake amin'Andriamanitra eo amin'ny fipetraham-boninahitre Ijy, ary Ijy no ilay mibaboke ho antsena.35Ija no hagnasarake antsena amin'ny fitiavan'i Kristy? Fahorena, sa fijalena, sa fagnenjehana, sa mosare, sa filongalongana, sa loja, sa sabatre?36 Araka ny vôsoratre hoe: ''Noho anao die vôvono andro lava ahay. Noresina hotran'ny ondry ho vonoina ahay.''37Ao agnatin'ijany raha abiaby ijany die magnôtre noho ny mpandresy ahay amin'ny alalan'Ilay iray tia anay.38 Fa resy lahatre iaho fa na ny fahafatesana, na ny fiaignana, na ireo anjely, na ireo fanjakana, na ireo raha amin'ijao, na ireo raha ho avy, na ireo hery,39 na ny agnambo, na ny laligna, na javabôary hafa, die tsy hagnasarake antsena amin'ny fitiavan'Andriamanitra, ijay ao amin'i Kristy Jesôsy TompontsenaChapter 9
1Mijaka ny marina ao amin'i Kristy iaho. Tsy mivandy iaho ary ny eritreritro no vavolombelogna miarake aminahe ao amin'ny fagnahy masina,2 fa hônahy die misy alahelo lehibe ary fahorena tsy mijanogna ato am-poko.3Fa afaka nagniry aho fa iaho tegnako die ho vôtsitsike ka hisitake amin'ny Kristy nohon'ireo rahalahiko, areo ijay raike firajagnana aminahe araka ny nofo.4 Ijy ireo dia Isiraelita. Ijy ireo die managna fananganana, ny voninahitra, ireo fankatoavana, ny fagnomejan'ny lalàna, ny fiderana an'Andriamanitra, ary ireo fampagnatenana.5 Ny anajy ireo die ireo rajagna ijay nahatonga an'ni Kristy ho tonga nofo, Ijy ijay Andriamanintra ambonin'ny abiaby. Ho deraina mandrakijay anie Ijy. Amena.6Fa tsy fôgna ijay nampanatenain'Andriamanitra. Fa tsy ijay rehetra avy agny Isiraely no tena an'Isiraely. 7Na ireo taranak'i Abrahama abiaby no tena janagny. Fa: "Amin'ny alalan'Isaka no hentsôna ireo taranakao"8Ijany hoe, ireo janakin,ny nofo die tsy janak'Andriamanitra. Fa ireo janakin'ny fampanatenana no resine ho taranaka. 9Fa hôtran,ny jao ny tenin'ny fampagnatenana: "Amin'ijany fotôgna ijany die ho avy aho, ary hamena jajalelahy Saraha."10Tsy ijany mandy, fa aviteo koa i Rebeka hanagna anake amin'ny lelahy raike, Isaka iabantsena_11 fa mbola tsy teraka akory ireo jaja ary mbola tsy nagnano raha tsara na ratsy, mba ho tahakan'ny tanjogn'Andriamanitra araka ny fisafidianana, tsy noho ireo asa, fa noho Ijy ijay mangaika12 nijakaina tamin'draviavy hoe: "Ny jokiny die hagnampy ny jandriny. 13"Ijany die tahak'ijay vôsoratra hoe: "Jakoba tieko fa Esao halako."14Ino ary no ho hijakaintsena? Misy tsy fahamarinana ve miaraka amin'Andriamaintra? 15Tsy hisy mihitsy anie ijany. Fa hoy ijy tamin'i Mosesy hoe: "Hamindra fo amin'ijay tieko hamindrana fo aho.16 "Noho ijany ary, die tsy noho ijy magniry ijany, na noho ijy ijay mihajakajake, fa noho Andriamanitra, ijay nampiseho ny famidram-po.17Fa ny soratra Masina nagnambara tamin'i Farao hoe: "Fa noho ijany antony ijany no nanandratako anao, mba hanehôko aminao ny heriko, ary mba hagnambarana ny heriko eran-tany.18 "Noho ijany, Andriamanitra die mamindra fo amin'ny je-tiène, ary je-tiène no ho hamafisiny fo.19Aviteo hijaka aminahe anareo hoe: "Nahôna no mbola mahita tsigny hiany Ijy?" Fa ija no mahatohitra ny sitram-pone?" 20Mifanohitra amijane, ralelahy, ija moa anao no mamaly manohitra an'Andriamanitra? Moa ijay efa niomankomagnina ho mpagnomagna ijany hoe: "Nahôna no namboarinao hôtran'an'ijao iaho?"21 Moa ny mpanefy vilagny tsy managna zo amin'ny tanimanga ka ny vongagna raike mandy no hamboarana fitobohana amin'ny andro vôtokagna, ary fitobohana raika hafa amin'ny andro andavanandro?22Ahôna laha Andriamanitra, ijay te-hampiseho ny fahavignirany sy hampahalala ny fahefany, no nahadigny tamim-paharetana ireo fitobohan'ny fahavignirana nomagnina ho amin'ny fahasimbana?23 Ahôna laha namboariny ijany ba hampahalalany ny haren'ny voninahiny eo amin'ireo fitoeran'ny famindram-po, ijay efa nomagniny meloha ho amin'ny voninahitra?24 Ahôna laha ba namboariny hôntsena kao ijany, ijay nangihany ihiany koa, tsy ho eo amin'ny samy jiosy ihiany, fa ho eo amin'ny ireo Jentilisa ihiany koa?25Araky jay nijakainy tao amin'ny Hosea ihiany koa hoe: "Hangihako hoe oloko ijay tsy oloko, ary hoe sakejany ijay tsy sakeja.26 Aviteo die agny amin'ny jay nilajana tamin'ijy reo hoe: 'Tsy oloko anareo,' agny no hentsôna anajy reo hoe : "janak'Andriamanitra velogna.'"27Isaia nangaike mahare ny amin'ny Isiraely hoe: "Laha tahaka ny fasika egny amin'ny ranomasina ny asan'ny janak'Isiraely, die ho vôvonjy ijay sisa ambiny,28 fa ny Tompo hitondra ny teniny eto an-tany,feno ary tsy ho ela." 29Araka ny nijakain'Isaia meloha hoe: "Laha ny Tompo tompon'ny maro no tsy nagnavela taranaka ho antsena, die ho tahaka an'i Sodoma antsena, ary hanjary tahaka an'i Gomora."30Ino ary ny hijakaintsena? Fa ireo jentilisa, ijay tsy mandremby ny fahamarinana, ijay fahamarinana lahatamin'ny finôna.31 Fa Isiraely, ijay nandremby ny lalàn'ny fahamarinana, die tsy avy tamin'ny ijany.32Nahôna moa? satria ijy ireo tsy nandremby ijany tamin'ny finôna, fa tamin'ny asa. Tafantohignan'ny vaton'ny fagnafitohignana ijy ireo, 33arak'ijay efa vôsoratra hoe: "Jereo, ao Ziona agnabilako ny vaton'ny fagnafitohignana sy vatolampin'ny fandikan-dalàna. Ijay mino an'ny ijany die tsy ho megnatra."Chapter 10
1Ry rahalahy, ny irin'ny foko sy ny angatahiko amin'Andriamanitra ho ajy ireo, die ny famonjena ajy reo.2 Fa mijoro vavolombelogna momba ajy reo iaho fa mafana ho an'Andriamanitra ijy reo, ny tsy araka ny fahalalana.3 Fa tsy mahafantatre ny fahamarinan'Andriamanitra regny, ary mandrembe hagnabela ny fahamarinan'ijy reo manokagna. Tsy nagneke ny fahamarinan'Andriamanitra ijy regny.4Fa Kristy no fahatanterahan'ny lalàna ho fahamarignana hoan'ny raimanotolo jay mino.5 Fa Mosesy manoratre momban'ny fahamarignana ijay hatramin'ny lalàna hoe: ''Ny olo ijay magnano ny fahamarignan'ny lalàna die hivelogna amin'ny fahamarignana ijany.''6Fa ny fahamarignana ijay avy amin'ny finôna die magnambara hoe: ''Aja mijaka ijao ao am-po hoe: ''Ija no hiakatre agny an-dagnitre?' (ijany die, manjotso an'i Kristy); 7ary aja mijaka hoe: 'Ija no hijotso agny amin'ny laligna?''' (ijany die, magnakatre an'i Kristy amin'ny maty).8Fa ino no ambaran'ijany? ''Eo akekinao ny jaka, ao am-bavanao ary ao am-ponao.'' Ijany no tenin'ny finôna, ijay ambaranay. 9Fa laha amin'ny vavanao no agnekenao an' Jesôsy ho tompo, ary mino amin'ny fonao fa natsangan'Andriamanitra tamin'y maty Ijy, die ho vonjena anao. 10Fa amin'ny fo no inôn'olo ny fahamarignana, die amin'ny vava no agnekeny ny famonjena.11Fa hoy ny Soratra Masina hoe:''Tsy megnatre je rehetre mino ajy.'' 12 tsy misy mahasamihafa eo amin'ny Jiosy sy Grika. Fa Tompo raike mandy no Tompo aby dahôlo, ary harem-pahasoavana ho amin'ijay rehetra mangaike Ajy.13 Fa je rehetre mangaike ny agnaran'ny Tompo no ho vonjena .14Ino ary no afahan'dreo mangaike Ajy ijay tsy ninône? Ino no afahan'dreo mino Ajy ijay tsy regnin-dreo? Ahôna no afahan-dreo maharegny raha tsy misy mpitory?15 Ary ahôna no afahan-dreo mitory , laha tsy nisy nagnirake? _ Araka ny vôsoratre hoe: ''Erô ny hatsaran'ny tongotre andreo magnambara ireo java-tsoan'ny filajantsara!''16Kanefa tsy ijy aby no niheno ny filajantsara. Fa hoy Isaia hoe: ''Tompo, ija no nino ny hafatray?'' 17Noho ijany ny finôna die avy amin'ny fihenona, die ny fihenona avy amin'ny jakan'i Kristy18Fa hoy iaho hoe: ''Moa ve tsy nisy naheno an-dreo?'' Eka, marina tegnane. ''Ny feon-dreo die efa nivôke magneragnan-tany, ary ny jakan-dreo hatragne amin'ny itaperan'ijao tontolo ijao.''19Ambadik'ijay, hoy iaho hoe: ''Fangaha ve tsy nahafantatre ny Israely?'' Tamin'ny vôlohane Mosesy nijaka hoe: ''Hataoko saropiaro amin'ijay tsy firenena akory ianareo. Amin'ny firenena ijay tsy misy fahalalana, hataoko ho avy amin'ny fahavignirana ianareo.''20Die tena nahasaky tokotre Isaia laha nijaka ijy hoe: ''Hitan-dreo ijay tsy nadrembe anahy iaho. Niboke tamin-dreo ijay tsy nagnotany anahy iaho.'' 21Fa hoy ijy tamin'Israely hoe: ''Tontolon'ny no nangalako ny tagnako tamin'olo tsy magneke sy maditre.''Chapter 11
1Ary nijaka iaho, naren'Andriamaintra ve ny olone?. Sagnatria anie ijane. Fa iaho mandy koa die Isiraelita, taranak'i Abrahama, avy amin'ny fokon'i Benjamina.2 Andriamanitra die tsy nagnary ny olone, ijay efa fantany teo aloha. Fantatrareo ve ijay vôlajan'ny soratra masina momban'i Elia, die ilay fitaraignane tamin'Andriamanitra namely an'i Isiraely? hoe: 3Tompo, ijy ireo die namono ireo mpaminaninao, namotike ny alitaranao. Iaho rerike sisa tavela, ary tehamono ny aiko ijy ireo."4Fa ino no valiteny nambaran'Andriamanitra anajy? "Nanokagna fito arivo lahy ho an'ny tegnako Iaho ijay tsy nendohalike teo amin'ny Bala" 5Die hôtran'ny ijane, amin'ijao ankehitriny jao mandy koa dia misy sisa mandy nohon'ny fisafidianana amin'ny fahasoavana.6Fa laha avy amin'ny fahasoavana ijany, die tsy avy amin'ny asa koa. Fa laha ijany die tsy fahasoavana koa ny fahasoavana. ([Fagnamarihana: Ny antota-taratasy saragne taloha die mamaky hoe: " kanefa laha avy amin'ireo asa ijany, die tsy fahasoavana koa; fa raha ijay die tsy asa koa ny asa."]) 7Ino ary? Ny raha jay nirombejin'Isiraely, die tsy ajony, fa ny vôfidy no nahajo ijany, ary namafisine ireo ambiny. 8Ijany die araka ny efa vôsoratra hoe: "Andriamanitra die nagnome andreo ny fagnahin'ny fiveraverana, maso mba tsy hahitandreo, ary sofigna mba tsy handrignesandreo, hatramin'ny niany."9Ary hoy i Davida hoe: " Ôka ny latabatrane ho harato sy fandrika, ho vato mamingagna sy valifaty ho andreo. 10Ôka ny masondreo hohamejignina mba tsy hahita, ary ôka hondrike mandrakijay ny lamosignan-dreo."11Die hoy aho hoe: "Moa ve tafantohigna ireo mba ho lavo?" Sagnatria anie ijany. Fa koja, avy amin'ny fahalavôn'ijy ireo, no nieven'ny famonjena teo amin'ire jentilisa, mba hampialogna andreo. 12Ary laha ny fahavalondreo no harenan'ny ijao totolo ijao, ary laha ny fahaverenjandreo no harenan'ny ireo jentilisa, die magnano akory ny halehiben'ny fahatanterahan'ijy ireo?13Fa amijao die miresaka aminareo Jentilisa iaho, ary laha mbola apôsitôlin'ireo jentilisa iaho, die mankasitraka ny fanompôko. 14Angamba hampialogna ireo ijay lahatamin'ny nofoko manokagna iaho. Angamba hamonjy ny saragny amin'ijy reo antsena.15Fa laha midika fampihavanana an'ijao totolo ijao ny tsy fandavana andreo, die ino no handresana andreo ijane fa fiegnana avy amin'ny fahafatesana?16 Laha vôkagna ny vokatra vôlohany, die ny saragny amin'ny kobam-bary koa. Laha vôtokagna ny vahanè die hôtran'ny jay koa ireo rantsagne.17Fa laha nitapahina ny rantsagne saragne, ary laha anao, sampagna olivadia, no natambatra teo amin'ijy ireo, ary laha nifampijara tamin'ijy ireo, ny faka-mamokatry ny hajo oliva anao,18 aja mirehareha amin'ireo sampagna. Fa laha mirehareha anao, die tsy anao ny mitondra ny vahany fa ny vahany no mitondra anao.19Die hijaka anao hoe: "Nitapahina hienga ireo rantsagna mba hahafahako mifandray aminajy." 20Marina ijane. Nohon'ny tsy finôndreo die nitapahina hienga ijy ireo, fa anareo die mijoro tsara nohon'ny finônareo. Aja magnano ny tegnanareo hômbony fa matahora.21 Fa laha ny tena sampagna aja tsy navelan'Andriamanitra, die tsy havelany ihiany koa anao.22Ary, jahao, ny fahatsoram-po sy ny fahasarota-pon'Andriamanitra. Etsy andagniny, ny fahasarota-po die avy tamin'ireo Jiosy ijay lavo. Fa etsy agnilany koja, ny hatsaram-pagnahin'Andriamanitra die avy aminareo, laha mahadigny ao amin'ny hatsaram-pagnahiny anareo. Fa laha tsy jay die hitapahina koa anareo.23Ary na iregny aja, laha tsy manohy amin'ny tsy finôny ijy ireo, die hatambatra. Fa Andriamanitra die afaka mamerigna manambatra ajy ireo indraike. 24Fa laha nitapahina tamin'ny hajo oliva-dia anareo, ka nahaogna tamina hajo oliva tsara, die hôtran'ny aja ny fihôran'ny hamarojan'ireo Jiosy, ijay sampagna vôjagnahary, natambatra tamina hajo olivan'ijy ireo manokagna?25Fa tsy tieko tsy hahafantatra anareo, ry rahalahy, ny amijay java-miafigna ijay, mba tsy haha-hendry anareo amin'ny eritreritrareo manokagna. Ijany java-miafigna ijany die efa nahamafy loha ny saragne amin'Isiraely, mandram-peven'ny fahafenôn'ireo Jentilisa.26Noho ijany die hivonjena aby ny Isiraely manotolo, araka ny vôsoratra hoe: "Hivôka avy agny Ziona ny mpagnafake. Hangala ny haratsem-pagnahy amin'ny Jakoba Ijy, 27ary ijany no hifagnekem-pihavanako amin'ijy reo, laha hampiala ny fahotan'dreo Iaho."28Amin'ny lafiny raike mahakasika ny filajantsara, die fahavalon'ijy ireo nohon'ny aminareo. Amin'ny lafiny raika hafa araka ny safidin'Andriamaintra, die malala ijy ireo noho ireo rajagna.29 Fa ireo fagnomejana sy antson'Andriamaintra die tsy miova.30Fa anareo die tsy magneke an'Andriamanitra taloha, kanefa amijao anareo die nandray ny famindram-po nohon'ny tsy fankatoavan'ijy ireo. 31Hôtran'ny ijany mandy koa, ankehitriny ireo Jiosy die tsy nagneke. Ny vokane die tamin'ny alalan'ny famindram-po ijay nabôkanareo no mety handresan'ijy reo ny famindram-po mandy koa amijao.32 Fa Andriamaintra efa nagnidy ny tsy fankatoavana manotolo, mba ahafahany mampiseho famindram-po amin'ny abiaby.33Endrey, ny halalignan'ny ireo harenan'ny fahendrena sy fahalalan'Andriamanitra! Tsy takatry ny saigna ireo fitsarany, ary ireo lalagne die tsy refesina!34 "Fa ija no nahalala ny fihevitry ny Tompo na ija no tonga ho mpanolo-tsaigna Anaje?35Na ija no nagnome raha an'Andriamanitra aloha, ka tsy mentsy hagnoneran'Andriamaintra anajy indraike?" 36 Fa avy aminaje sy amin'ny alalany ary Anaje ny raha manotolo. Hônaje mandrakariva ny voninahitre. Amena.Chapter 12
1Mangataka anareo aho noho ijany, ry rahalahy, noho ireo famindram-pon'Andriamanitra, mba hanolotre ny vatagnareo ho sorogna velogna, masina ekenan'Andriamanitra. Ijany no fanompoanareo araka ny tokony ho ijy. 2Aja manahake an'ijao tontolo ijao, fa miovà amin'ny fanavaojan'ny saigna. Atôvy ijao mba ho fantatrareo ijany tsara, ajo ekena, ary ny sitrapo lafatr'Andriamanitra.3Fa ambarako, nohon'ny fahasoavana ijay nomena an'ahy ny tsy tokony hanagnan,ny abiaby ijay eo aminareo eritreritra hagnambony ny tegnany mihôtra ijay tokony ho eritreretiny, Fa koja, tokony hieritreritra am-pahandrena areo, hôtrin'ny nanomejan'Andriamanitra fatram-pinoana ny tsirairay avy.4Fa managna ratsagna maro amin'ny vatantsena antsena, kanefa tsy mitovy aby ny asan'ireo ratsagna ireo. 5Mitovy amin'ijany, antsena ijay raha be dia vatagna iray mandy ao amin'ny Kristy, ary rantsagna manokagna amin'ny tsirairaike.6Managna fanomenjam-pahasoavana samy hafa antsena araka ny fahasoavana ijay nomena antsena. Laha faminaniana no fanomejam-pahasoavanan'ny raike, die ôka atao araka ny haben'ny finôny . 7Laha fanompoana no fanomejam-pahasoavan'ny iray, die ôka ijy hanompo. Laha nisy raike nahajo fanomejem-pahasoavana hampianatre, ôka ijy hampianatre. 8Laha fampaherejana no fanomejam-pahasoavanan'ny raike, ôka ijy hampahery. Laha magnome no fanomejam-pahasoavan'ny raike, ôka ijy hagnano ijany amim-pahalalan-tagnana. Laha hitarika no fanomejam-pahasoavan'ny raike, ôka ijany ho vita ampitandremana. Raha hampiseho fangoraham-po no fanomejam-pahasoavan'ny raike, ôka ijany ho vita am-piravoravoana.9Öka ny fitiavana tsy hisy fihatsaram-belalatsihy. Ankahalao ny ratsy, tajony mahare ijay tsara, 10Laha ny momba ny fitiavan'ny mpirahalahy, mifankatiava aminareo tsirairaike aby. Laha ny momba ny fanomejam-boninahitra, mifagnajà.11Laha ny momba ny fikirijana, aja misalasala. Laha ny momba ny Fagnahy, ôka hafana fo. Momba ny Tompo, tompoy ijy. 12Mifalia ao amin'ny fahatokiana ijay hanagnanao momba ny ho avy. Mahareta amin'ireo olagnao. Mivavaha fehijay. 13Mifampijara amin'ijay ilain'ny mpino. Mitadiava fomba maro hampiantragnoanao olo.14Misôra ireo ijay magnejika anao; misaora ary aja manojona. 15Miaraha-mifaly amin'ireo ijay mifaly; miaraha-mitagny amin'ireo ijay mitagny. 16Mitovia fisaignana amin'ny tsirairaike. Aja misaigna amin'ny fomba mirehareha, fa ikeo ireo olo ambany. Aja mihevitra ny tegnanao ho hendry.17Aja mamaly ratsy ny ratsy. Manôva raha tsara eo imason'ny olo abiaby. 18Laha mety arak'ijay ajonao atao, mihavagna amin'ny olo aby.19Aja mamaly ratsy ny tegnanareo, ry malala fa omeo lalagna ny havigniran'Andriamanitra. Fa efa vôsoratra hoe: "Ahy ny vali-faty; Ijaho no hamaly; hoy ny tompo. 20Fa raha mosaregna ny fahavaloanao omeo hanigna ijy. Laha te hisotro rano ijy omeo ijy hinomine. Fa laha manao ijany ianao, dia hagnangona vain'afo eo amin'ny lohany. 21Aja mety ho resin'ny ratsy, fa reseo amin'ny tsara ny ratsy.
Chapter 13
1Ôka ny fagnahy manontolo hagneke ireo manam-pahefana ambone, fa tsy misy fahefana laha tsy avy amin'Andriamanitra. Ary ireo manam-pahefana misy die efa vôtondron'Andriamanitra.2 Noho ijany ijay manohitra ijany fahefana ijany die manohitra ny didin'Andriamanitra; ary ireo je-manohitra ijany die hahajo fitsarana amin'ny tegnan'ijy ireo.3Satria ireo mpanapaka die tsy fampitahorana hônireo asa tsara, fa hônireo asa ratsy. Magniry ny tsy hangoaigna ny raike amin'ny fahefana ve anareo? Manôva ny tsara, die ho deraina amin'ny ijany ianao. 4Fa ijy die mpanompon'Andriamanitra hônareo amin'ny tsara. Fa laha magnano ratsy anareo, die matahora, satria tsy mitondra ny sabatra tsy amin'ny antony ijy. Fa ijy die mpanompon'Andriamanitra, mpamaly ny fahavignirana amin'ny ilay magnano ratsy. 5Noho ijany die tokony hagneke anareo, tsy nohon'ny havignirany mandy, fa nohon'ny fieritreretana mandy koa.6Noho ijany die mandoa hetra mandy koa anareo. Fa mpanompon'Andriamanitra ireo manam-pahefana, ijay miendrekitra ijany raha ijany tsy ankijanogna.7 Aloavy amin'ny tsirairay ijay tokony hônajy ireo: mandoava hetra amin'ny ijay tokony handoavana ijany; mandoava fadin-tseragnana amin'ny ijay tokony handoavana anajy; matahora amin'ny ijay tokony hatahorana; magnajà an'ijay sahaja ijany.8Aja managna trosa na amin'ija na amin'ija, hafa-tsy ny fifankatiavana mandy. Fa je-tia ny magnodidigna anajy die nahatanteraka ny lalàna: 9Rahabe ireo didy: "Aja mangala-badin'olo, aja mamono olo, aja mangalatra, aja mitsiriritre," ary laha misy didy hafa ankôtr'ireo koa, die vôfehy amin'ny toy fehezanteny toy ijany: " Tiavo ny akamanao hôtran'ny tegnanao."10 Ny fitiavana die tsy mandratra ny magnodidigna; noho ijany, ny fitiavana no fahatanterahan'ny lalàna.11Noho ijane, fantatrareo ny fotôgna, fa efa fotôgna hifohajanareo amin'ny torimaso sahady ijao. Fa ankehitriny efa magnakeky noho ijay ninôntsena tamin'ny vôlohany ny fagnavotana antsena. 12Mandroso ny aligna, ary magnarivo ny andro. Noho ijany andao hariena ireo asan'ny mejigna, ary andao antsena hisikigna ny fedien'ny fahajavana.13Andao hijotra amin'ny lalagna mahitsy, hôtran'ny amin'ny andro, fa tsy hôtran'ny amin'ireo firavoravôna tsy ampahamendrehana na koa ny hamamôna; ary andao tsy hienga amin'ny fahavetavetana na amin'ny filàna tsy vôfehy, ary tsy ho amin'ny fifanoherana na felognana. 14Fa misikina an'i Jesôsy Kristy Tompo, ary aja magnome hirika ho an'ny nofo, mba hagnomejana fahafaham-po ny filàny.Chapter 14
1Reso aby na ijay malemy amin'ny finoana, aja mitsara momba ny tohan-kevitra. 2Ny olo raike die managna finôna hihinagna na ino na ino, fa ny raike hafa ijay malemy dia tsy mihinagna afa tsy legioma.3Öka ijay mihinagna ny raha abiaby tsy hagnamavo ijay tsy mihinagna ny abiaby; ary ijay tsy mihinagna ny abiaby koja tsy hitsara ijay hafa mihinagna ny abiaby. Fa Andriamanitra efa nagneky an'aje. 4Ija moa anao, anao ijay mitsara ny mpanompon'olon-kafa? Eo anatrehan'ny tompony ijy no mijoro na lavo. Fa hatsangagna ijy, satria ny Tompo dia afaka manangana an' ajy.5Ny olo raike die mihevitra fa misy andro tsara nohon'ny andro aby, Ny hafa koja die mihevitra fa mitovy ny andro abiaby. Avilao ny tsirairaike ho resy lahatra araka ny saigny aby. 6Ijay mandinike ny andro, die mandinike ijany ho an'ny Tompo; ary ijay mihinagna, die mihinagna ho an'ny Tompo, fa misaotra an'Andriamanitra ijy. Ijay tsy mihinagna, die mifady hanina ho an'ny Tompo, ijy mandy koa die misaotra an'Andriamanitra.7Fa tsy misy miaigna ho an'ny tegnany antsena, ary tsy misy maty ho an'ny tegnany. 8Fa raha miaigna antsena dia miaigna ho an'ny Tompo, ary laha maty antsena, die maty ho an'ny Tompo. Araka ijany na velogna antsena na maty, die an'ny Tompo. 9Fa ho amin'ijany antony ijany no nahafatesan'ny Kristy ary nahavelomany koa, mba hahaavy an' Aje ho sady Tompon'ny maty no tompon'ny velogna.10Fa anao, nahôna anao no mitsara ny rahalahinao? Ary anao, nahôna anao no malaigna ny rahalahinao? Fa antsena abiaby die mbola hijoro ho tsaraina eo ankatrehan'ny seja fiitsaranan'Andriamanitra. 11Fa efa vôsoratra hoe:"Laha mbola velogna koa Aho."hoy nyTompo" die hiforitre eo ankatrehako ny lohalika abiaby, ary ny lela abiaby die hidera an'Andriamanitra."12Noho ijany ary, antsena tsirairay aby die hagnano tatitre ny tegnany eo amin'Andriamanitra. 13Ka ôka antsena tsy hifampitsara koa, fa koja hanapaka an' ijao, mba tsy hisy hametrake vato mahatafintohigna na fandrike ho an'ny rahalahiny.14Mahafantatre iaho ary resy lahatre ao amin'ny Tompo Jesôsy, fa tsy misy madio amin'ny tegnany. Fa ho an'ijay mandray na ino na ino ho tsy madio fehijay, die tsy madio ijany ho an'aje. 15Satria laha malahelo nohon'ny amin'ny hanina ny rahalahinao, die tsy mandeha am-pitiavana koa anao. Aja simbaina nohon'ny haninareo ireo ijay namoejan'ny Kristy ny aigny.16Koa aja mamela ijay heverinareo ho tsara ho aratsiana. 17Fa ny fanjakan'Andriamanitra die tsy momba ny hanina sy rano fisotro, fa momba ny fahamarinana, fiadanana, ary fifaliana ao amin'ny Fanahy Masina.18Fa ijay manompo an'i Kristy araka ijany die ankasitrahan'Andriamanitra sy eken'ny olo. 19Noho ijany, ôka antsena hanohy ireo rahan'ny fiadagnana sy ireo raha ijay manefe ny tsirirairaike aby.20Aja simbaina nohon'y amin'ny hanina ny asan'Andriamanitra. Madio tokôtre ny raha abiaby fa ratsy ho an'ny olo ijay mihinagna an'aje ary mahaavy an'aje ho tafitohigna. 21Tsara ny tsy mihinan-kena, na misotro divay, na ny raha abiaby ijay mety hanafintohigna ny rahalahinao.22Ny finôna anagnao, tehirijo ao aminao sy Andriamanitra. Sambatra ijay tsy magnameloke ny tegnany amin'ijay ekeny. 23Ijay misalasala die meloke laha mihinagna, satria tsy tamin'ny finôna ijany. Ary na ino na ino tsy avy amin'ny finôna die fahotana.
Chapter 15
1Ary antsena ijay matanjake die tokony handefitra ny fahalemen'ny malemy, ary tsy tokony hambôtre ijay mahafinaritre ny tegnantsena.2 Aoka ny kiraidraike avy amintsena hambôtre ijay mahafaly ny mpiara-monigna aminy fa ijany no tsara, mba hanandratana an'aje.3Fa na Kristy tsy nambôtre ijay nahafinaritre ny tegnany. Fa koja, ijany die araka ny efa vôsoratra hoe: "Ny famingavingan'ireo jay mamingavinga anao die nidaboke tamin'ahe. 4Fa na ino na ino vôsoratra teo aloha die vôsoratre ho fampenarana antsena, mba amin'ny alaln'ny faharetana sy amin'ny alalan'ny fampaherejan'ny Soratra Masina no hanagnantsena toky.5Ary ny Andriamanitry ny fahadignasana sy fampaherejana anie hagnome fisaignana mitovy hôn'ny kiraidraike avy araka an'i Kristy Jesôsy.6 Ijy anie anao ijany mba ho amin'ny fisaignana raike sy amin'ny vava raike mandy no hideranareo an'Andriamanitre sy Aban'i Jesôsy Kristy Tompontsena . Noho ijany mifandresa, hôtran'ny nadresan'i7 Kristy anareo mandy koa aja, ho fiderana an'Andriamanitra.8Fa jakaiko fa Kristy die efa tonga mpanompon'ny vôfora hôn'ny fahamarignan'AdriamanitrA, mba hahafahana magnamarina ireo fampagnantenana ijay nomena ireo iaba, 9ary hôn'ireo Jentilisa mba hagnomejam-boninahitre an'Andriamanitra nohon'ny famindram-pone. Ijany die araka ny efa vôsoratra hoe: "Noho ijany die nagnome fiderana Anao eo amin'ireo Jentilisa Aho ary hihira fiderana ny agnaranao."10Bona vôlaja hatragny hoe: "Mifalifalia, miaraka amin'ny fokon'olo, ry Jentilisa." 11Ary koa hoe: "Derao ny Tompo, ry Jentilisa abiaby; abelao ny olo abiaby hidera an'Ajy."12Hoy indray, Isaia hoe: "Hisy vahan'ny Jese, ary ilay raike ijay hitsangagna handidy eo amin'ny Jentilisa. Hanagna fahatokisana amin'aje ireo Jentilisa."13Ary ny Andriamanitray ny fahatokisana anie hameno anareo amin'ny fifalena sy fedagnana abiaby amin'ny finôna, mba ho feno fahatokiana anareo, avy amin'ny herin'ny Fanahy Masina.14Ny tegnako ijao mandy koa die resy lahatre ny mahakasika anreo, ry rahalahy. Resy lahatra aho fa anareo mandy koa die feno fahatsarana, feno ny fahalalana abiaby. Resy lahatra aho fa anareo mandy koa die afaka mifagnanatre.15Fa manoratra am-pasahena aminareo aho mahakasike ireo raha saragne mba hampitadidiena anareo inadraike, nohon'ny fagnomejam-pahasoavana ijay nomen'Andriamanitra hon'ahe. 16Ijany fagnomejam-pahasoavana ijany die ny tokony mba hanompôko an'Kristy Jesôsy nalefa tagny Jentilisa, mba hanolotra hôtran'ny sorogna ny filajantsaran'Andiamanitra. Tokony hamboariko ijany mba ho ajo ekena ny fagnatitr'ireo Jentilisa, vôtokagn'ny Fanahy Masina.17Noho ijany ny hafaleko die ao amin'iKristy Jesôsy sy ireo rah'Andriamanitra.18 Fa tsy ho saky hivoria na ino na ino afa-tsy ireo raha vitan'i Kristy tamin'ny alalako hôn'ny fagniken'ireo Jentilisa aho. Ireo rah ireo die vita tamin'ny jaka sy asa, 19tamin'ireo herin'ny famantarana sy fahagagana, ary tamin'ny herin'ny Fanahy Masina. Ijany die mba avy agny Jerosslema, sy lavidavitra hôtran'i Ilyrikioma, no ahafahako magnatanteraka ny filajantsaran'i Kristy.20Amin'ijany, ny fagnireko die ny hagnambara ny filajantsara, fa tsy agny amin'ijay ahafantarana an'i Kristy amin'ny agnarana, mba tsy hagnorenako eo amin'ijay efa nagnorenako ny hafa. 21Ijany die araka ny vôsoratra hoe: "Tamin'ireo ijay tsy nijakana an'Aje no hahita an'Aje,ary ireo ijay tsy naharegny no hahajo."22Noho ijany mandy koa die vôsakagna matetika tsy ho agny aminareo aho.23 Fa amin'ijao fotôgna, tsy managna toerana amin'ireo faritra ireo koa aho, ary taogna maro no efa nagnireko mahare ho agny aminareo.24Noho ijany na ovena na ovena andihanako agny Espana, die magnantena aho ny hahita anareo abiaby mandalo, ary haterinareo agny amin'ny andihanako, laha avy nankafy ny fiarahanareo vetivety Aho. 25Fa amin'ijao fotôgna ho agny Jerosalema aho hanompo ireo mpino.26Fa fifalen'i Makedonia sy Akaia ny hambôtre fandresana anjara hôn'ireo misotry isan'ireo mpino ijay agny Jerosalema.27 Ieke, fifalena hôn-dreo ijany,ary, mpitosa amin'aje marina areo. Fa laha ny Jentilisa no nijara tamin'ny raha masignan-dreo, die tokony hanompo an'ajy ireo mandy koa areo amin'ireo raha ara-pitôvana.28Noho ijany, laha notantirahiko ijao asa ijao ary nagnamafy fa vôrain-dreo ny vokatre ijay navory, die ho agny Espaina aho ary hamangy anareo amin'ny lalako. 29Fantatro fa laha mandeha agny aminareo aho die hiditre amin'ny fahafenôn'ny fitahian'i Kristy.30Amin'ijao fotôgna mandrisika anareo aho, ry rahalahy, amin'i Jesôsy Kristy Tompontsena, sy amin'ny fitiavan'ny fagnahy, mba hiaraka hiady amin'ahe anareo amin'ny vavaka amboarinareo amin'Andriamanitra hon'ahe. 31Mivavaha mba ho avotra amin'ireo ijay tsy magneke agny Jodia aho, ary mba heken'ireo mpino ny fanompôko ho an'i Jerosalema.32 Mivavaha mba heveko aminareo amin-kafalena amin'ny sitrapon'Andriamanitra, ary mba hahafahako, mahita ny fijanognana, miaraka aminareo.33Andiamanitry ny fedagnana anie homba anareo abiaby. Amena.Chapter 16
1Apetrako aminareo i Foiby anankavintsena, ijay mpanompon'ny fengonana agny Kenkrea, 2 mba handresanareo an'ajy ao amin'ny Tompo. Atôvy ijany amin'ny fomba maha mpino, die magnatreha an'ajy amin'ijay raha mety irombejany ny fagnampianareo. Fa ijy rery mandy koa die nanjary mpagnampy ny maro, ary ny tegnako mandy koa.3Manôva veloma an'i Prisila sy Akoila, mpiara-miasa amin'ahe ao amin'ny Kristy Jesôsy, 4ijay nahafoy ny ain-dreo hôn'ahe. Misôtra an-dreo iaho, ary tsy iaho mande, fa ireo fengonana abiabin'ny Jentilisa mandy koa.5 Manôva veloma ny fengonana ijay ao amin'ny tragnon-dreo. Manôva veloma agny amin'i Epaineto malalako, ijay vôloham-bokatr'i Asia hôn'i Kristy.6Manôva veloma an'i Maria, ijay niasa mafy hônareo. 7Manôva veloma an'i Androniko sy Jonia, havako akeke, ary niara-nigadra tamin'ahe. Malaja eo afovôn'ireo apôstôly areo, sady tao amin'ny Kristy talohako mandy koa. 8Manôva veloma an'i Ampliato, malalako ao amin'ny Tompo.9Manôva veloma an'i Orbano, mpiara-miasa amintsena ao amin'i Kristy, sy Staky, malalako. 10Agnontanio Apela, ilay ankasitrahana ao amin'i Kristy. Agnontanio aby ijay ao andragnon'i Aristobolo. 11Manôva veloma an'i Herodiona, havako. Manôva veloma an'ireo ijay ao andragnon'i Narkisa, ijay ao amin'ny Tompo.12Manôva veloma an'i Tryfena sy Tryfosa, ijay miasa mahare ao amin'ny Tompo. Agnontanio Perysa malala, ijay niasa mahare tao amin'ny Tompo. 13Manôva veloma an'i Rofosy, ijay vôfidy tao amin'ny Tompo, ary iendrine sy iendriko. 14Manôva veloma an'i Asynkrito, Flegona, Hermesy, Patroba, Herma, ary ireo rahalahy ijay miaraka amin-dreo.15Manôva veloma an'i Filologia sy Jolia, Nerea sy ny anakavine, sy Olimpa, ary ireo mpino abiaby miaraka an-dreo. 16Mifanôva veloma amin'ny fifagnorohana masina. Ireo fengonan'i Kristy abiaby die magnano veloma anareo.17Amin'ijao fotôgna madrisika anareo aho, ry rahalahy, mba hieritreritra ny mahakasika ireo ijay mahatonga ny fijarajarana sy ny fanafintohignana. Areo die mihôtra lavitra ny fampenarana ijay vôrainareo. Mengà lavitra an-dreo. 18Fa tsy mpanompon'i Kristy Tompontsena ny olo hotran'iregny, fa ny trokane manokagna mandy. Amin'ny teny malefaka sy tsara lahatra no amitahan-dreo ny fon'ny tsy manan-tsigny.19Fa ny ohatrareo amin'ny fagnajana die avy agny amin'ny olo abiaby. Noho ijany, mifaly iaho,ny aminareo, fa tieko mba ho kante amin'ijay tsara anareo, ary tsy hanantsigny amin'ijay ratsy. 20Andriamanitry ny fedagnana hamotipotika an'i Satana eo ambanin'ny tongotrareo afaka fotôgna vitsivitsy. Hôminareo anie ny fahasoavan'i Jesôsy Kristy Tompontsena.21Timoty, mpiara-miasa amin'ahe, die magnano veloma anareo, sy Losio, Jasona ary Sosipatro, havako. 22Iaho, Tertio, ijay nanoratra itoy epistily itoy, die magnano veloma anareo ao amin'ny Tompo.23Gaio, ilay mpampetragno an'ahy sy ny fengonana abiaby, die magnano veloma anareo. Erasto, mpitam-bola ao amin'ny tanàna, die magnano veloma anareo, miaraka amin'i Koarto ilay rahalahy. 24[Fagnamarihana: Ny fandikana taloha tsara indrindra die magnala itoy andininy itoy. (jahay ny Romana 16: 20). and 24: "Hôminareo abiaby anie ny fahasoavan'ny Jesôsy Kristy Tompontsena. Amena."]25Ary ny voninahitra die hôn'aje ijay mahavita mampitraka anareo araka ny filajantsarako sy ny filajana an'i Jesôsy Kristy, araky ny fijakana ny raha-mivony ijay nitanana ho tsembaratelo ela be tagny aloha tagne, 26kanefa nijakaina amin'ijao fôtogna, ary tamin'ny alalan'ny bokin'ny faminanena no nampahalalana tamin'ny firenena abiaby, araka ny didin'Andriamanitra mandrakijay, ho fagnajana ny finôna.27Hôn'ilay Andriamanitra tokan'ny fahendrena, anie ny voninahitra mandrakijay, amin'ny alalan'ny Jesôsy Kristy. AmenaPhilippians
Chapter 1
1Paoly sy Timoty, mpanompon'i Jesôsy Kristy, ho an'ireo abiaby vôtokagna ho an'iJesôsy Kristy ijay agne Filipy, miaraka amin'ireo mpiandraikitra sy ireo diakona. 2Ho aminareo anie ny fahasoavana sy fiadagnana avy amin'Andriamanitra Iabantsena sy Jesôsy Kristy Tompo.3Misaotra ny Andriamanitro aho amin'ny fahatserovako anareo. 4Ao amin'ny fivavahako ho anareo aby, die amin,ny fifalena hatragny no anôvako ny fivavahako. 5Magnome fisôrana iaho nohon,ny fiombognanareo amin,ny filanjantsara nanomboka tamin'ny andro vôlohane ka hatramin'ijao. 6Mahatoky an'ijao raha ijao aho, fa Ijy ijay nanomboke asa tsara taminareo die hanohe hagnatanterake ijay hatramin'ny andron'ny Jesôsy Kristy.7Fa tsara amin'ahe ny mahatsapa hôtran'ijany ny amin'ny momba anareo abiaby satria ato am-poko anareo. Anareo abiaby die mpiara-miasa amin'ahe tamin'ny fahasoavana na tamin'ny figadrako sy tamin'ny ferovako na koa tamin'ny fagnamafisana ny filajantsara. 8Fa Andriamanitra no vavolombeloko, fa manigna anareo tokotre iaho amin'ny famindram-pon'i Kristy Jesôsy.9Ary Iaho mivavake an'ijao: mba hitombo hatragne hatragne ny fitiavanareo amin'ny fahalalana sy fahajavan-tsaigna abiaby. 10Mivavake ho an'ijany iaho mba hagneke ijay tsara die tsara anareo, mba ho tso-po sy tsisy tsigny amin'ny andron'ny Kristy. 11Mivavake iaho mba ho fenon'ny vokatry ny fahamarinana ijay avy amin'ny Jesôsy Kristy anareo, ho voninahitre sy fiderana an'Andriamanitra.12Ary tieko ho fantatrareo ,ry rahalahy, fa ireo raha ijay nitranga tamin'ahe die niasa ho amin'ny fampandrosôna ny filajantsara tokôtre: 13Vokatr ijany ny fatorako ao amin'ny Kristy die nihatrihatry majava nagnerana ireo mpiambin-dapa abiaby sy ireo olo hafa. 14Ny ankabejan'ireo rahalahy die managna toky mavente tokôtre ao amin'ny Tompo noho ny fatorako, ary sahe magnatoro tsy amin-tahotre ny jakan-dreo.15Ny saragne aja die mitory an'i Kristy amin'ny felognana sy fifandirana tokôtre ary ireo hafa koja amin'ny sitrapo tsara. 16Ireto farane die mambotre ijany amin'ny fitiavana, mahafantatre fa iaho die napetrake eto ho ferovana ny filajantsara. 17Fa irôgna vôlohane die mitory an'i Kristy amin'ny fitiavan-tegna, fa tsy tso-po. Ijy iregny die mihevitre fa hanakorontagna an'ahe laha mbola ao amin'ny fifatorako iaho.18Ino ary? Amin'ny fomba abiaby, na amin'ny fetsaram-belatsihy na amin'ny fahamarinana, Kristy no toriana, ary mifaly ny amin'ijany aho. Ieke, ho faly iaho, 19fa fantatro fa ijany die hefara amin'ny fagnafahana an'ahe amin'ny alalan'ireo vavakareo sy ny fagnampian'ny Fanahin'i Jesosy Kristy.20Ijany die arake ny fendrasako fatratre sy ny antoke fa iaho die tsy ho megnatre mihitsy, ary mbola amin'ny fahasahena aby mandy, ankehitriny hôtran'ny hatraminijay, die hisandratre ato amin'ny tegnako Kristy, na amin'ny fiagnana na amin'ny fahafatesana. 21Ho an'ahe ny hoe miaigna die Kristy ary ny hoe maty die tombony.22Fa laha miaigna amin'ny nofo iaho, die midika asa mahavokatre ho an'ahe ijany. Kanefa ino no ho fidiako? Tsy fantatro. 23Fa voatery mahare eo agnelagnelagn'ijy roe iaho. Ny fagnireko die ny handeha ary hiarake amin'ny Kristy, ijay tsara lavitre, 24kanefa mitoetre ao amin'ny nofo die ilaina tokôtre noho anareo.25Resy lahatre ny amin'ijany, die fantatro fa hitoetre sy hanohy hiarake aminareo abiaby iaho, ho an'ny fandrosoanareo sy fifalena ao amin'ny finôna. 26Mba ho ao amin'ahe die hanagna antony hireharehana ao amin'i Kristy Jesôsy anareo laha miverigna agne aminareo indraike aho. 27Mitondrà tegna amin'ny fomba mendrike ny filajantsara an'i kristy, ka na tonga hijaha anareo aho na tsy eo, die afaka ny haharegne momba anareo, fa mijoro mafy amin'ny fagnahy raike anareo, amin'ny saigna raike miara-miejake ho an'ny finôna ny filajantsara.28Ary aja mete ampitahorin'ireo ijay fahavalonareo. Mariky ny fahapotehan-dreo ijany, fa mariky ny famonjenareo koja_ary ijany die avy amin'Andriamanitra. 29Fa namena anareo ijany ho an'i Kristy, tsy hoe mba hinôna Ajy fotsiny, 30fa hijaliana ho an'Ajy koa, fa ianareo die managna ady manahatre an'ijay hitanareo tamin'ahe, ary ijay regninao amin'ahe ankehitriny
Chapter 2
1Laha misy fampaherejana ao amin'ny Kristy, laha misy fampiononana avy amin'ny fitiavana, laha misy firesana amin'ny fagnahy, laha misy famindrampo lehibe sy fiantrana, 2die atôvy feno ny fifaliako amin'ny fisegnana hôtran'ijane, amin'ny fanagnana fitiavana mitovy, amin'ny firesana am-pagnahy, ary amin'ny fanagnana tanjogna mitovy.3Aja magnano na ino na ino amin'ny fitiavan-tegna na fagnambonian-tegna fôgna. Fa amin'ny fanetren-tegna koja die mihevera ny hafa magnotre ny tegnanareo. 4Tokony tsy handrembe ijay mahatsara ny tegnanareo mandy ny kiraidraike aminareo, fa ijay mahatsara ny hafa mandy koa.5Mandiniha hôtran'ny fisegnana ijay tao amin'ny Kristy Jesôsy mandy koa. 6Efa nisy araka ny endrik'Andriamanitra Ijy, fa tsy nandinike ijany fitovena amin'Andriamanitra ijany ho raha hifikirane Ijy, 7Ny mifanohitre amin'ijany, nofoagnane ny tegnane. Nangala ny endriky ny mpanompo Ijy. Ary niseho ho hôtran'ny olombelogna Ijy. Ary hita nitovy tamin'olombelogna Ijy. 8Nanetry tegna Ijy ary avy nanjary mpagneke hatramin'ny fahafatesana, die ilay fahafatesan'ny hajofijaliana!9Noho ijany die nasondrotr'Andriamanitra ambony die ambony mandy koa Ijy. Nomene ilay Agnarana ijay ambonin'ny Agnarana abiaby Ijy. 10Namboarine ijany mba ho amin'ny Agnaran'ny Jesôsy no handohalihan'ny lohalika abiaby, ny lohalik'ireo ijay agne an-dagnitra sy etoy an-tany ary agne ambanin'ny tany. 11Namboarine ijany hagnekejan'ny lela abiaby fa Jesôsy Kristy no Tompo, ho voninahitr'Andriamanitra Ray.12Noho ijany, ry malalako, hôtran'ny agnekejanareo hatragne, tsy eo amin'ny fagnatrehako mandy fa mihôtre lavitre aja ankehitriny laha tsy eo iaho, dia aboahy amin'ny tahotre sy hovitre ny famonjena anareo. 13Satria Andriamanitra no miasa ao aminareo mba ho vonon-kagnano no sady hiasa ho an'ny fifaliana anareo.14Atôvy tsy am-pitaregnana na fiadian-kevitra ny raha abiaby. 15Manôva hôtran'ijany mba ho tonga janak'Andriamanitra tsy misy tsigny sady marina, tsy misy takaitre anareo. Miasa hôtr'ijany mba hamirapiratanareo hôtran'ny fahajavana eo amin' ijao tontolo ijao, eo agnivon'ny taranaka meloke sady maditre. 16Mifikira mahare amin'ilay Tenin'ny Fiaignana mba hanagnako antony hireharehana amin'ny andron'ny Kristy. Fa amin'ijany die ho fantatro fa tsy vere maigna ny nihajakajahako ary tsy very maigna ny niasàko17Fa na die ahidigna ho fanatitre eo amin'ny sorogna sy fanompom-pinôna aja iaho, die mifaly iaho, ary miara-mifaly aminareo abiaby aho. 18Ary hôtran'ijay koa no hifalianareo, ary miara-mifale amin'ahe anareo.19Fa manantegna ao amin'ny Tompo Jesôsy iaho fa handefa an'i Timoty agny aminareo malaky, mba hahere mandy koa aho laha fantatro ny raha momba anareo. 20Fa tsy managna olo hafa mitovy toe-saigna amin'aje iaho, ijay tena magnahy ny aminareo. 21Fa ijy abiaby die mandrembe ny tombon-tsoane, fa tsy rahan'i Jesôsy Kristy.22Fa fantatrareo ny fahamendrehane, satria hôtran'ny jaja manompo ny abane, no nanompône niaraka tamin'ahe tao amin'ny filajantsara. 23Koa magnantena ny handefa an'ajy aho laha vôhitako hoe magnano ahôna ny fandehan-draha atoy amin'ahe. 24Fa matoky ny Tompo aho fa ho avy agny malaky koa ny tegnako.25Fa mieritreritre aho fa ilaina mandy koa ny mampipody an'i Epafrôditô agny aminareo, Rahalahiko ijy sy mpiara-miasa no mpiara-miady, sady mpitondra hafatrareo ijy no mpanompo amin'ijay ilaiko. 26Fa tra-pahorena mafy ijy, ary manigna ny hiaraka taminareo abiaby ijy, satria regninareo fa narary ijy. 27Fa tena narary ijy ka efa saike mate. Fa namindra fo tamin'aje Andriamanitra, ary tsy tamin'ajy raike, fa tamin'ahy koa, mba tsy hanagnako alahelo ambonin'ny alahelo.28Koa die amin-paharisihana lehibe tokôtre no handefasako an'aje, ka laha hahita an'ajy indraike anareo dia mba hifale ka dia ho afaka loholoho amin'ny fagnahiako iaho. 29Reso ao amin'ny Tompo Epafrôditô miaraka amin'ny fifaliana abiaby. Hajao ny olo hôtran'aje. 30Fa ho an'ny asan'ny Kristy no nagnakekejane ny fahafatesana. Fa nagnano vy verin'ny aigne ijy hanompôna an'ahe mba hagnantanterahane ijay tsy afaka namboarinareo tamin'ny fanompôna an'ahe.
Chapter 3
1Farany, ry rahalahy, mifalia ao amin'ny Tompo. Tsy manahiragna anahe ny mamerigna manoratra iregny raha iregny ho anareo. Iregny raha iregny die hiaro anareo. 2Mitandrema amin'ireo amboa. Mitandrema amin'ireo mpagnano ratsy. Mitandrema amin'ireo fanapahana rantsam-batagna.3 Fa antsena no vôfora. Ary antsena manompo amin'ny Fagnahin'Andriamanitra. Ary antsena no mirehareha ao amin'i Kristy Jesôsy, ary tsy mitoky amin'ny nofo.4Na ijany aja, iaho tegnako die afake mitoky amin'ny nofo. Laha misy olo mihevitre fa ijy die managna fahatokisana amin'ny nofo, afake magnano magnôtre noho ijany iaho.5 Noforaina tamin'ny andro fahavalo iaho, terake tao amin'ny vahôkan'Isiraely, tao amin'ny fokon'ny Benjamina, Hebreo tao amin'ireo Hebreo iaho; arake ny lalàna, die Fariseo iaho.6Tamin'ny jotom-po, die nagnenjike ny fiangonana iaho; Laha ny amin'ny fahamarignana ambanin'ny lalàna, die tsy nagnanan-tsigny iaho. 7Ndre ino nino tombone ho anahy, die noresiko hôtran'ny fantiantoke iregny nohon'ny amin'i Kristy.8Laha ny tena ijy, nisaiko ho faty antoke aby ireo raha manotolo nohon'ny hakadirin'ny fahalalana an'i Kristy Jesôsy Tompoko. Noho Ijy die nareko ny raha abiaby. Heveriko ho fako iregny mba hajahôko an'i Kristy 9ary ho hita ao Aminy iaho. Tsy managna ny fahamarignana ho an'ny tegnako laha tamin'ny lalàna iaho. Fa koja, managna ny fahamarignana ijay tamin'ny alaln'ny finôna an'i Kristy iaho, fahamarignana laha tamin'ny Andriamanitra ijay mifototre amin'ny finôna.10 Koa amijao die te hafantatre Anajy sy ny herin'ny fitsanganany tamin'ny maty ary ny fiombognana amin'ireo fijaliany iaho. Te hiova amin'ny alalan'i Kristy iaho mba hanahake ny fahafatesany, 11mba hafahako mahatsapa ny fitsanganana amin'ny mate.12Tsy marina fa efa nahajo ireo raha ireo sahady iaho, na koa hoe tanga tanterake iaho. Fa mikofoke iaho mba hajahôko ilay nahajahôn'i Kristy Jesôsy anahe.13 Ry rahalahy, tsy mandinika iaho fa ny tegnako die efa nahajo ijany. Fa misy raha raike: Adinoiko ijay agny afara ary mikofoke ho an'ijay eo aloha iaho. 14Mikofoke magnatratre ny tanjogna iaho mba hahajo ny lokan'ny haike lahatagny agnambo avy amin'Andriamanitra ao amin'i Kristy Jesôsy15Antsena aby ijay matotre, ôka antsena handinike hotran'ijany; ary laha misy eritreritrao hafa momba ny raha manotolo, die ho abôkan'Andriamanitra aminareo mandy koa ijany. 16Kanefa, na ino nino efa tratrantsena, ôka antsena hifikitre amin'ijany.17Ôka ho mpangala hotran'ahy, anareo ry rahalahy. Dinoho marivo ireo ijay menga arake ny ohatra ijay hitanareo ao aminay. 18Rahabe ireo nenga_ ireo ijay efa nijakaiko anareo matetike, ary amijao iaho mijaka aminareo amin'ny ranomaso hotran'ny fahavalon'ny hajofijalian'i Kristy.19 Fandravana no fiafaran'ijay ireo. Fa ny trokany no andriamanine, ary ny fireharehan'ijy ireo die ao amin'ny hegnatrane. Mandinike ny rahan'ijao tantolo ijao andreo.20Fa agny an-dagnitre ny fanjakantsena, ijay hendrasantsena Mpamonjy mandy koa, die ny Tompo Jesôsy Kristy.21 Ijy die hagnova ny vatantsena ijay malemy mba ho vatagna manahake ny vatagny feno voninahitre, ijay namboarina tamin'ny herin'ny fahefane mba hampagneke ny raha manontolo amin'ny tegnanyChapter 4
1Noho ijany, ry rahalahy malalako ijay mahamanigna an'ahe, fifaleko sy satro-boninahitro, amin'ijany die mijoroa tsara ao ami'ny Tompo, ry akamako malala. 2Mengavy an'i Eodia iaho, ary mengavy an'i Syntyke, miresa saigna ao amin'ny Tompo.3 Ary, mngataka aminao mandy koa iaho, ry akamako mpitondra vesatre: Ampio ireo viavy ireo. Satria areo die niara-niasa tamin'ahe tamin'ny fagnaparitahana ny Filajantsara niarake tamin'i Klementa sy ireo sisa akama mpiara-miasa amin'ahe abiaby, ijay efa agnatin'ny Bokin'ny Fiaignana ny agnaran-dreo.4Mifalia fehijay ao amin'ny Tompo. Hoy mandy iaho, mifalia. 5Abilao ho fantatr'olo abiaby ny fahatsoram-ponareo. Efa mariny ny Tompo. 6Aja magnahy na amin'ino na amin'ino. Fa koja, amin'ny raha-abiaby amin'ny alalan'ny vavake sy fangatahana, miarake amin'ny fisôrana, abilao ny fagnirenareo ho fantatr'Andriamanitra. 7Ary ny fedagn'Andriamanitra, ijay mihôtran'ny fahalalàna abiaby, hiaro ny fonareo sy ny fisaignanareo abiaby ao amin'i Kristy Jesôsy.8Ary farany, ry rahalahy, n'ino n'ino marina, n'ino n'ino manan-kaja, n'ino n'ino ara-drarigne, n'ino n'ino madio, n'ino n'ino mafinaritre, n'ino n'ino nijakaina fa tsara, laha misy n'ino n'ino tena tsara, laha misy n'ino n'ino tokony hideraina, die mieritrereta iregny raha iregny. 9Ireo raha ijay nenaranareo sy niresinareo sy regninareo ary hitanareo tamin'ahe, atôvy iregny raha iregny, ary ny Andriamanitry ny fedagnana hiaraka aminareo.10Mifaly be ao amin'ny Tompo iaho satria natsarainareo mandy amin'ijao fotogna ny fieritreretanareo an'ahe. Efa nandinika an'ahe koa anareo taloha, fa tsy nisy fahafahana hônareo mba hagnampy. 11Tsy mijaka ijany aho satria ao agnatin'ny tsy fanagnana. Fa efa nianatra ny hifaly amin'ijay toe-draha-mibôke abiaby iaho. 12Fantako ny hoe misotry ary fantako koa ny hoe manan-karena. Amin'ny fomba abiaby sy amin'ny raha abiaby die nianatra ny tsembaratelon'ny fihinanam-be sy ny mosary iaho, ary ny hoe manan-karena sy ny ao agnatin'ny tsy fanagnana. 13Afaka mambôtre ny raha abiaby iaho amin'ny alalan'Ilay mampahery an'ahe.14Kanefa, anareo nagnano ny tsara tamin'ahe tamin'ny fasarihagnako. 15Ary anareo Filipiana mahafantatra fa tamin'ny fetombohan'ny filajantsara, laha nienga an'i Makedonia iaho, die tsy nisy fengonana nagnampy an'ahy ny mahakasika ny fagnomejana sy fandresana afa-tsy anareo mandy. 16Na tamin'iaho tagny Tesalonika aja, die nandefa fagnampiena hôn'ijay nirombejiko mihôtran'ny iandraika mandeha anareo. 17Tsy hoe mirembe fagnomejana aho. Fa koja, miremby vokatre ijay mampisondritre ny voninahitrareo iaho.18Nandray ireo raha abiaby iaho, ary managna betsake. Fa feno aho. Vôraiko avy tamin'i Epafrodito ireo raha avy aminareo. Ireo die hagnitre misy fofogna, ijay fagnatitre ajo ekena sy ankasitrahan'Andriamanitra. 19Ary Andriamanitro hameno ijay abiaby ilainareo araka ny harenan'ny voninahine ao amin'i Kristy Jesôsy. 20Ary hôn'Andriamanitra Iabantsena anie ny voninahitra mandrakijay doria. Amena.21Manôva veloma an'ny mpino abiaby ao amin'i Kristy Jesôsy. Ireo rahalahy ijay miaraka amin'ahe die magnano veloma anareo. 22Ireo mpino abiaby ijay eto magnano veloma anareo, indrindra ireo ijay avy ao amin'ny fianakavian'i Kaisara. 23Ny fahasoavan'i Jesôsy Kristy Tompontsena anie hômin'ny fagnahinareo. [Fagnamarihana: Misy ireo fandikana saragne magnampy hoe: "Amena."]1 Timothy
Chapter 1
1Paoly, apôstolin'i Kristy Jesôsy araka ny didin'Andriamanitra mpamonjy antsena sy i Kristy Jesôsy tokintsena, 2hôan'i Timoty, janaka lahy marina ao amin'ny finôna: Fahasoavana, famindram-po ary fedagnana avy amin'Andriamanitra Iaba sy i Kristy Jesôsy Tompontsena.3Araka ny nengaviako mahare hamboarinao laha nienga tao Makedonia iaho, mitoboha ao Efesosy mba hahafahanao mibeko ireo olo saragne tsy hampianatre foto-pampenarana hafa.4 Tsy tokone hitandrigna ireo tantara sy tetiaragna tsy misy fefaràna areo. Ireo die niterake adihevitre fa tsy magnampy ny drafitr'Andriamanitra, ijay amin'ny alalan'ny finôna.5Ary ny tanjognan'ny didy die fitiavana avy amin'ny fo madio, avy amin'ny feon'ny fieritreretana tsara, ary avy amin'ny finôna tsy metsaravelatsihy. 6Ny olo saragne die tsy nahatratra ny tanjogna ary nienga tamin'ireo raha ireo ho agne amin'ny lahateny môlamôla.7 Areo die te ho mpampiana-dalàna, kanefa areo tsy mahajo ijay vorianine sy hijingijignan-dreo.8 Fa antsena die mahafantatra fa ny lalàna die tsara laha misy raike mampiasa an'aje amin'ny ara-dalàna.9Antsena die mahafantatra ijane, fa ny lalàna die tsy namboarina hôn'olo-marina, fa hôn'ny mpandika lalàna sy olo mpigafy, hôn'ireo ratsy fagnahy sy mpagnota, ary hôn'ireo andriamani-diso sy tsy masina. Ijane die namboarina hôn'ireo ijay mamono an'iabane sy iendrine, hôn'ireo mpamono olo,10 hôn'ireo ratsy fitondran-tegna ara-nofo, hôn'ireo sodomita, hôn'ireo mpangalatr'olo mba handevojina, hôn'ireo mpivande, hôn'ireo vavolombelogna tsy marina, ary n'ino n'ino hafa manohitra ny fampenarana mahatoky.11 Io fampenarana io die mifagnaraka amin'ny filajantsaran'ny voninahitr'ilay Andriamanitra vôtahy ijay nankinina tamin'ahe.12Isôrako i Kristy Jesôsy Tompontsena. Nampahery an'ahe Ijy, fa nataone mahatoky iaho, ary nanondro an'ahe hômin'ny fanompôna Ijy. 13Iaho die mpijaka ratsy, mpagnenjike, lelahy mditre. Kanefa nahajo famindram-po iaho satria tamin'ny tsy fahalalana no namboarako ijane noho ny tsy finôna. 14Fa ny fahasoavan'ny Tompontsena no nanarogna tamin'ny finôna sy fitiavana ijay ao amin'i Kristy Jesôsy.15Ijao hafatra ijao die ajo antoke sy mendrike ny fagnikena abiaby, fa i Kristy Jesôsy die avy teto an-tane hamonjy ireo mpagnota. Iaho no ratsy loholoho tamin'ireo.16 Fa noho ijane antone ijane no namindrana fo tamin'ahe, mba amin'ny alalako, ny makadiry loholoho, i Kristy Jesôsy die mety hampiseho ny faharetana abiaby. Nagnano ijane Ijy ho ohatre hôn'ireo ijay magniry hatoky an'Aje hôn'ny fiaignana mandrakijay. 17Ary hôn'ny mpanjakan'ny taogna, tsy mety mate, tsy hita maso, ny Andriamanitra tokagna, anie ny laja sy voninahitra mandrakijay doria. Amena.18Ijao didy ijao no omeko anao, Timoty, janako, araka ireo faminaniana namboarina mahakasika anao talohaka tagne, fa anao die mety hiady ny ady tsara, 19ny fitajognana ny finôna sy ny feon'ny fieritreretana tsara. Tamin'ny fandavana ijane, misy ny nagnano sambo vaky ny finoane. 20Hôtran'i Hymeneo sy Aleksandro, ijay nomeko hôn'i Satana mba hampenarana an-dreo tsy hijaka ratsy.
Chapter 2
1Vôlohany indrindra noho ijany die mpirisike iaho fa ny fangatahana, vavake, fifonana, ary fisôrana die natao hoa an'ny olo abiaby,2 ho an'ny mpanjaka sy ny abiaby eo amin'ny fahefana, mba hafahantsena miaigna am-pedagnana sy miaigna milamigna amin'ny toe-panahy arake an'Andriamanitre sy fahamendrehana aby.3 Ijany die tsara sy ajo ekena eo anatrehan'Andriamanitre mpamonjy antsena. 4Irine mba hovonjena dahôlo ny olo abiaby die ho tonga amin'ny fahalalana ny marina.5Fa raile mandy no Andriamanitre, die raike mandy no mpagnelagnelagna an'Andriamanitre sy ny olo, die ny lelahy Kristy Jesôsy. 6Ijy nagnome ny tegnane ho vidim-panavotana ho an'ny manontolo, hôtra ny fijoroana vavolombelogna amin'ny fotôgna tokone ho ijy. 7Fa amin'ijany tanjona ijany, iaho, ny tegnako, die natao ho mpitory sy ho Apostoly. Mijaka ny marina iaho. Tsy mivandy iaho. Mpampianatre an'ny Jentilisa amin'ny finona sy fahamarianana iaho8Noho ijany, tieko ny lelahy na aija na aija mba hivavake sy hanandra-tanana masina tsy ampahavignirana na amin'ny fiafamaliana. 9Hôtran'ijay koa, tieko ny viavy mba hitafy akanjo mendrika ny tegnane, amin'ny fahamôtignana sy fahafehezan-tegna. Tsy tokone hagnano volo mirongo, na volamena, na voahangy, na fitafy lafo vidy. 10Tieko an-dreo hitafy amin'ijay mety ho an'ny viavy ijay mampiseho toe-panahy araka an'Andriamantre amin'ny alalan'ny asa tsara.11Ny viave die tokone hianatre am-pahanginana die hagneky tanterake. 12Tsy akeko hampianatra ny viavy na hampihatre fahefana amin'ny lelahy, fa hijanona ao agnaty fahanginana.13Fa Adama no noforognina vôlohany, avy eo i Eva. 14Adama die tsy vôfitake, fa ny viavy no vôfitake tanterake tamin'ny fandikan-dalàna. 15Na ijany aja, hovonjena ijy amin'ny alalan'ny fiterahzn-jaza, raha mitohy amin'ny finoana sy fitiavana ary fahamasinana miarake amin'ny fanonon-tena.Chapter 3
1Matokisa izao zaka izao: "Laha misy olo raike magniry ny ho mpiandraikitre, die magniry asa tsara izy. 2noho izany die ny mpiandraikitra tsy maintsy tsy manan-tsigny. Tsy maintsy manambady viavy tokagna izy. Izy die tokony hahay handanjalanja, hendre, tia filaminana, tia mandray olo, tsy maintsy mahay mampianatra izy. 3tsy tokony ho za-dratsy amin'ny dovay izy, tsy mpila ady, fa koza malemy fagnahy, feno fedanam-po, izy die tsy tokony ho tia vola.4Tokony hitantagna tsara ny tokontragnony izy, die ny zanagny die tokony hagneky anazy ampagnajana tanteraka.5 Fa laha tsy mahay mitantagna ny tokantragnony izy, ahôna no hikarakan'ny fiangonan'Andrimanitra?6Tsy tokony olo vô niova fo izy, mba tsy hibohebône, ka ho lavo amin'ny fagnamelohana hôtran'ny devoly. 7Izy mandy koa die tsy maintsy tsara amin'ireo olo egny ivelany, mba tsy ho lavo agnaty ny fahafaham-baraka sy ny fandriky ny devoly.8Ireo diakona, hôtran'izany mandy koa, die tokony ho mendrika. Areo die tsy tokony hinagna dovay be lôtre na tsy mahalala ara-kanina. 9Tokony hitazogna ny fahamarinan'ny finôna nambara miaraka amin'ny feon'ny fieritreretana madio. 10Izay mandy koa die tokony hosedraina meloha, avy teo die tokony hanompo satria tsy manan-tsigny areo.11Ny viavy mandy koa die tokony mendrika hôtran'izany. Tsy tokony ho mpagnendrikendrika areo. Tokony hahay handanjalanja ary matoky amin'ny raha manontolo. 12Ny Diakona die tokony hanambady viavy tokagna, tsy maintsy mitantagna tsara ny zanagny sy ny tokantragnony areo.13 Fa ireo je manompo tsara die handray ny laza tsara ny fahatokisana lehibe amin'ny finôna ho an'ny tegnandreo ao'amin'i Jesôsy Kristy.14Manoratra an'ito raha ito aminao iaho, ary magnantegna ny ho avy tsy agny aminao iaho. 15Fa laha tara aho, die manoratra mba hahafantaranareo ny fitondran-tegna ao amin'ny tokantragnon'Andriamanitra, izay fengonan'Andriamanitra velogna, ilay vato fehizoro sy ny fonenan'ny fahamarinana.16Tsy azo andanana fa ny fahamarinana nambara izay arakan'Andriamanitra die lehibe: "Izy die niseho tamin'ny nofo, nohamarinin'ny fagnahy, hitan'ny Anjely, nambara teo agnivon'ny firenena, ninôn'izao tontolo izao, die nasondrotre tamim-boninahitra."
Chapter 4
1Ankehitriny mijaka majava tsara ny Fagnahy fa amin'ny fotôgna agny afara agny die hiala amin'ny finôna ny olo saragny ary mitandrema tsara ny amin'ny fagnahy mpamitaka sy ny fampenaran'ny demonia 2amin'ny fihatsarambelatsihin'ny mpivandy. Fa vômarika amin'ny vy mahamay ny feon'ny fieritreretan'dreo.3Ho raràn'dreo ny manambady sy ny mandray ny sakafo ijay noforognin'Andriamanitra ho jaraina miaraka amin'ny fisôrana eo amin'ny ijay mino sy ijay mahafantatra ny marina.4 Fa ny raha manontolo ijay noforognin'Andriamanitra die tsara. Tsisy holavina ny raha niresintsena tamim-pisôrana.5 Fa nohamasinina tamin'ny tenin'Andriamanitra sy ny vavaka ijany.6Laha apetrakareo eo alohan'ny rahalahy io raha io, die ho mpanompo tsaran'i Jesôsy Kristy anareo. Fa nitejan'dreo tamin'ny jakan'ny finôna sy tamin'ny fampenarana tsara ijay narahinareo anareo. Fa lavo ny angano tantarain'ny viavy antitre.7 Fa koja, tariho hagnome voninahitra an'Andriamanitra ny tegnanareo.8 Fa ny vatagna hofagnina die kely mandy ny ajo ampesana anajy, nefa fampiasa amin'ny raha manontolo ny toetra araka an'Andriamanitra. Mitajogna ny fampagnatenana amin'itoy fiaignana ankehitriny itoy sy ny fiaignan-ko aby.9Itoy hafatra itoy die mendri-pitokisana sy mendrika ny fahafenôn'ny fanekena.10 Fa noho ijany die hitologna sy hiasa mafy antsena. Famahatoky ao amin'Andriamanitra velogna antsena, ijay Mpamonjy ny olo manontolo, indrindra ny mino.11Ambarao sy ampianaro io raha io. 12Ôka tsy hisy olo hanao tsinotsino ny fahatanoranao. Fa koja, ôka ho hohatre ho an'ireo ijay mino, amin'ny fijakana, fitondran-tegna, fitiavana, finôna, ary fahadiovana. 13Mandra-pihaviko, tohijo ny famakiana, ny fagnanarana, sy ny fampenarana.14Aja atao tsinotsinona ny fagnomejam-pahasoavana ijay ao aminao, ijay nomena anao tamin'ny alalan'ny faminanena, niaraka tamin'ny fametrahan-tagnan'ny loholona.15 Tandrovy io raha io. Meteja hômin'dreo, mba hiharihary amin'ny olo manontolo ny fandrosônao.16 Tandremo tsara ny tegnanareo sy ny fampenarana. Tohijo io raha io. Fa raha manao hôtran'ijany, die ho vonjenao ny tegnanao sy ireo ijay miteno anao.Chapter 5
1Aja mijaka ny lahy antitra. Fa koja, anaro hôtrany ray ijy. Anaro hôtran'ny rahalahy ny lelahy tanora.2 Anaro hôtrany reny ny viavy antitre, ary ny viavy tanora hôtran'ny anabavy ao amin'ny fahadiovana manontolo.3Magnajà ny mpitondrategna, ny tena mpitondrategna. 4Fa laha manan-janaka na jafikely ny mpitondrategna raike, die abilao areo aloha hianatra haneho fagnajana ao amin'ny tokatragnone. Ôka areo hamaly babena ny ray aman-drenine, satria ankasitrahan'Andriamanitra ijany.5Fa ny tena mpitondrategna die navela ho raike. Mametraka ny fitokiena amin'Andriamanitra ijy. Mitoetre hatragny amin'ny fangatahana sy vavaka andro aman'aligna. 6Na ijany aja, ny viavy ijay miaigna ho an'ny fahafinaretana die maty, na die bola velogna aja ijy.7Torio ijany raha ijany mba tsy agnanan'dreo tsigny.8 Fa laha misy olo tsy magnome ho an'ny havany akeky, indrindra ho an'ijay ao amin'ny ankohonane, die nandà ny finôna ijy ary ratsy lavitra noho ny tsy mpino.9Ôka hosoratana ho mpitondrategna ny viavy ijay tsy latsaky ny enimpolo taogna, viavy raike ijay vadin'ny lelahy raike. 10Tokony ho fantatra noho ny asa tsara ijy, na nikarakara ny jaja, na nampetragno mandy koa ny mpivahiny, na nanasa ny tongon'ny mpino, na nagnamevagna ny ory, na nanolo-tena tamin'ny asa tsara aby daholo.11Fa ho an'ny mpitondrategna bola tanora koja, die aja magneky ny hanoratra an'dreo ao agnaty lisitre. Fa laha efa milavo-lefogna amin'ny filan'ny nofo hanohitra an'i kristy areo, die te-hanambady.12 Amin'ijany areo die hahajo fagnameloha satria namadika ny fanoloran-tegnany vôlohane. 13Ka die lasa jatra malaigna koa areo. Mandendeha mitety tragno. Tsy hoe lasa malaigna fotsiny mandy koa areo, fa lasa mpifosa sy mpila ady koa. Mijaka raha ijay tsy tokony ho jakain'dreo.14Noho ijany die tieko hanambady ny viavy bola tanora, hiteraka, hikarakara tokantragno, mba tsy ahafahany magnome hirike ny fahavalo hitory anay ho nagnano ratsy.15 Fa ny saragne efa nivily sahady hagnarake an'i Satana.16 Laha misy viavy mino managna mpitondrategna, ôka ijy hagnampy an'dreo, mba tsy hagnavesatra ny fengonana, mba hahafahany magnampy ny tena mpitondrategna marina.17Ôka ny loholona ijay manapaka tsara mba ho resina ho mendri-boninahitra avo roa heny, indrindra ireo ijay miasa miaraka amin'ny teny sy amin'ny fampenarana. 18Fa hoy ny Soratra Masina hoe: "Tsy tokony hagnisy fehiny ny vavan'ny ny aombe anao laha bola mambely voa ijy." ary koa: "Ny mpiasa die mendrika ny karamany."19Aja mandray fempangana manohitra ny loholona raike laha tsy misy vavolombelogna roa na telo.20 Ahitsio eo agnatrehan'ny manontolo ny manota mba hatahotra ny ambiny hafa.21Mandidy anao mafy iaho eo anatrehan'Andriamanitra sy eo agnatrehn'i Kristy Jesôsy ary ny anjely vôfidy, mba hitajomanao io didy io tsy misy fitsaratsarana ary mba tsy hanôvanao n'ino n'ino amin'ny fiandaniena.22 Aja memeke mametra-tagnana amin'ija n'ija. Aja miarake amin'ny fahotan'ny olon-kafa. Tokony hitajogna ny tegnanareo hadio anao.23Tokony tsy hinogna rano koa anao. Fa koja, tokony handray dovay kely anao ho an'ny vavogny sy ny aretigna mateti-piseho. 24Ny fahotan'ny olo saragne die fantatra mibaribary, ary areo die mandeha alohan'ny ao amin'ny fitsarana. Fa ny ota saragne magnaraka avy atoy afara. 25Hôtran'ijany mandy koa, misy asa tsara fantatra mibaribary, nefane ny saragny aja die tsy ajo asitrike.Chapter 6
1Ôka ireo manontolo ijay ao ambanin'ny joga hôtran'ireo andevo ba hagnano tompony hagneva haja manontolo. Ijy ireo die tokony hambôtra anijany ba tsy hijakana ratsy ny agnaran'Andriamanitra sy ny fampenarana. 2Ireo andevo ijay managna tompo mino die tsy tokony hagnano tsinotsinona anajy ireo satria mpirahalahy aminaje. Fa koja, ijy ireo die tokony hanompo hatragnihatragny. Fa ireo tompo ijay nampena tamin'ny asandreo die mpino sady tiavina. Ampenaro ary ilajao ireo raha ireo.3Hevero fa ny olo die mampianatra amin'ny fomba hafa ary tsy magneky ny fanorentsena aram-pinôna, ijay, jakan'i Jesôsy Kristy Tompontsena. Hevero fa ijy ireo die tsy magneky ny fampenarana ijay mitondra agny amin'ny toetra araka an'Andriamanitra. 4Ijany olo ijany die mirehareha ary tsy nahafantatra na ino na ino. Fa koja, môlan'ireo adihevitra sy reo fandrisen-dahatra mahakasika ireo jaka. Io jaka io die miteraka felognana, fanevatevana, ahiahy ratsy, 5ary ny fifandognana eo amin'ireo olo maloto fisegnana. Miala amin'ny marina ijy ireo. Misaigna ijy fa ny toetra araka an'Andriamanitra no fomba hievena ho mpanan-karena.[Fagnamarihana: Ny fandikana taloha saragny die magnampy hoe: ''Miala amin'ny raha Hôtran'ijany.''Fa ny fandikana taloha tsara indrindra die tsy magnampy anijany.]6Ary ny toetra araka an'Andriamanitra miaraka amin'ny fahafaham-po die tombony lehibe. 7Satria antsena die tsy nitondra na ino ino amin'ijao tontolo ijao. Tsy nahavita nitondra na ino na ino antsena. 8Fa koja, ôka antsena ho afam-po amin'ny hanina sy ny fitafena.9Ary ireo te ho lasa mpanakarena die latsaka ao agnatin'ny fakapanahy, ao agnatin'ny fandrika. Latsaka tao agnatin'ny hadalana sy ireo filàna mampidi-doja rahabe ijy ireo, ary ihiany koa ireo hafa mandetika ireo olo ao amin'ny faharavana sy ny fandringanana. 10Satria fototr'ireo karajan-dratsy rehetra ny fitiavam-bola. Ny olo saragny ijay magniry anijany die efa vôvily niala tamin'ny finôna ary nanindrogna ny tegnan'ijy ireo tamin'ny fahorena lehibe.11Fa anao, ry lelahin'Andriamanitra, milefasa an'ireo raha ireo. Miejaha mandremby ny fahamarinana, ny toetra arak'Andriamanitra, ny fahatokisana, ny fitiavana, ny faharetana ary ny fahatsaram-pagnahy. 12Media ny ady tsaran'ny finôna. Tano ny fiegnana mandrakijay fa hômin'ijany ny nangihana anao. Ijany die mahakasika ny nijorônao vavolombelogna ny amin'ijay inôna teo agnatrehan'ireo vavolombelogna rahabe tamin'ijay tsara.13Aho die magnome anao ijany didy ijany eto alohan'Andriamanitra, ijay nahatonga ny raha mantolo ho velogna, ary eo agnatrehan'i Kristy Jesôsy, ijay nijaka ny marina teo agnatrehan'i Pontio Pilato: 14Atsarejo tsara ny didy, tsy manan-tsigny, mandram-piboahan'ny Tompotsena Jesôsy Kristy.15Andriamanitra die maharegny ny fisehôny amin'ny fotôgna tokony ho ijy. Andriamanitra, ilay raike jay nitahina, ilay hery tokagna, ilay mpajanka ijay manjaka, ary ilay Tompoijay manapaka. 16Ijy raika mandy no managna ny tsy fahafatesana ary mitoboka eo amin'ny hajavana tsy ajo hagnantognana. Tsy misy olombelogna mahita Anajy na afaka mijaha Anajy. Hônajy anie ny voninahitra sy ny hery mandrakijay. Amena.17Lajay ny mpanakarena ami'ijao tontolo ijao ba tsy hirehareha, sy magnantegna ny harena, ijay tsy ajo antoka. Fa koja, tokony hagnantegna an'Andriamanitra ijy ireo. Magnome antsena ny harena marina manontolo Ijy ba hifalentsena. 18Lajao areo ba hagnano ny tsara, ba hanankarena amin'ny asa tsara, ba halala-tagnana, ary vognona hijara. 19Amin'ijany fomba ijany, die hatsarejin'ijy ireo ny fototra tsara hôn'ny tegnany amin'ijay ho avy, ka hitanany ny tena fiegnana.20Ry Timoty, arovy ijay namena anao. Elao ny resaka môla sy ny fandresen-dahatra mifanohitra mahakasika ny fientsôna diso ny amin'ijay amboarina hoe fahalalana. 21Ny olo saragny die milaja ijany raha ijany ka die tsy nahatadidy ny finôny ijy ireo. Hôminareo anie ny fahasoavana.2 Timothy
Chapter 1
1Pôly, apostôlin'i Kristy Jesosy tamin'ny alalan'ny sitrapon'Andriamanitra, araka ny fampananten'ny fiaignana ijay ao amin'i Kristy Jesôsy, 2an'i Timoty, janaka tiana: Fahasoavana, fiantrana, ary fiadanagna avy amin'Andriamanitra ilay Iaba sy Kristy Jesosy Tompontsena.3Misaotra an'Andriamanitra Iaho, ijay tompoiko avy amin'ireo rajambeko, miaraka amin'ny feon'ny fieritreretana madio, hôtrin'ny hahatsiarovako anao matetika amin'ny fivavahako andro aman'aligna. Hôtrin'ny4 hahatsiarovako ireo ranomasonao, magniry mafy ny hahita anao iaho, ka mety ho feno hafaliana iaho. 5Nampahatsiahivina tamin'ahy ny finoanao marina, ijay niaigna vôlohany tao amin'ny endribenao Loisa sy ny reninao Eonisa, ary resy lahatre iaho fa miaigna ao aminao mandy koa ijany.6Ijany no antony ampahatsiahivako anao mba hampiasanao indraike ny fanomejan'Andriamanitra ao aminao amin'ny alalan'ny fametrahako tagnana. 7Fa Andriamanitra tsy nagnome fagnahin'ny tahotre antsena, fa ny hery sy fitiavana ary fifehejan-tegna.8Ka aja megnatre amin'ny fijoroana vavolombelogna momban'ny Tompontsena, na amin'ahy, Pôly, ilay gadrany. Fa koja, mijara amin'ny fahoriana ny filajantsara araka ny herin'Andriamanitra. 9Fa Andriamanitra no mamonjy antsena sy nangaike antsena tamin'ny haike masina. Nanao ijany Ijy, tsy noho ireo asantsena, fa nohon'ny drafitra ijay efa nataony sy ny fahasoavany. Na die mbola tsy niandoha aja ny fotôgna die efa nagnome antsena iregne raha iregne tao amin'ny Kristy Jesôsy Ijy. 10Fa amin'ijao ny famonjen'Andriamanitra die nambara tamin'ny alalan'ny fisehoan'i Kristy Jesôsy Mpagnavotra antsena. Kristy ijay nagnafogna ny fahafatesana ary nitondra fiaignana ijay tsy ho tapitre mandrakijay mba hagnajava amin'ny alalan'ny filajantsara. 11Noho ijany, die vôtondro ho mpitory teny iaho, ho apostoly, ary ho mpampianatre. [Fagnamarihana: Ireo dikan-teny taloha saragne die magnampy hoe: ''Ho an'ny Jentilisa.'']12Fa noho ijany antony ijany die mijaly amin'iregne raha iregne mandy koa iaho. Fa tsy megnatre iaho, satria fantatro Ijy ilay ninoako. Resy lahatre iaho fa afake mitajogna ijay efa nankiniko tamin'Ajy Ijy mandra-pahatongan'ijany andro ijany. 13Tajomy ny fagnoharagna momba ireo hafatry ny finoana sy fitiavana ijay ao amin'i Kristy Jesôsy. 14Ny raha tsara ijay nataon'Andriamanitra taminao, ambeno amin'ny alalan'ny Fanahy Masina ijany, ijay miaigna ao amintsena15Fantatrareo ijany, fa ijay abiaby nipetrake tagny Azia die nivadike tamin'ahy. Ao amin'io fikambanana io ireo Fizelio sy ireo Hermozena. 16Enga anie ny Tompo hagnome famindram-po amin'ny tokantranon'i Onesiforo, satria namelombelogna an'ahy matetike ijy ary tsy megnatre tamin'ny gadrako. 17Fa koja, laha tagny Roma ijy, die nandrembe an'ahy tokôtre, ka hitany iaho. 18Ny Tompo anie hampiseho an'ajy ka hahitany famindram-po avy amin'ajy amin'ijany andro ijany. Ireo fomba abiaby nagnampiany an'ahy tao Efesôsy, die fantatrareo tsara.
Chapter 2
1Noho ijany anao, ry janako, mahareja ao amin'ny fahasoavana ijay ao amin'i Jesôsy Kristy. 2Ireo raha niregnesinareo avy aminahy teo agnatrehan'ny vavolombelogna rahabe, die ankino amin'ny olo mahatoky ijay afaka hampianatra ny sasagny koa.3Miereta java-sarotra miaraka aminahy, hôtran'ny miaramila tsaran'i Jesôsy Kristy. 4Tsy misy miaramila manompo laha bola vôfandrik'ireo raharahan'ijao fiegnana ijao, ba hahafahany mampifaly ny lehibeny. 5Ary, laha misy olo mifaninana hôtran'ny atleta, die tsy mandray ny satro-boninahitra ijy laha tsy mifaninana amin'ny alalan'ireo fitsipika.6Ilaina ny fandresanan'ilay mpamboly ijay miasa mafy ny anjara vokatra vôlohany. 7Saigno ny mahakasika ijay lajaiko, fa ny Tompo no hagnome anareo ny fahatakarana amin'ny raha manontolony.8Tsarovy Jesôsy Kristy, avy amin'ny taranak'i Davida, ijay natsangagna tamin'ireo maty. Ijany die araky ny hafatry ny filajantsarako, 9ijay mampijaly ahy ny amin'ny famatorana hôtran'ny mpamono olo. Fa ny jakan'Andriamanitra die tsy vôfehy.10 Noho ijany heretako ny raha manontolo hôn'ireo vôfidy, ba ho afaka handray ny fagnavotana ijay ao amin'i Kristy Jesôsy mandy koa ijy ireo, miaraka amin'ny voninahitra mandrakijay.11Itoy jaka itoy die magneva hitokisana: ''Laha maty niaraka taminajy antsena, die ho velogna hiaraka aminajy mandy koa. 12Laha miaritra antsena, die hanjaka hiaraka aminajy mandy koa. Laha mandà Anajy antsena, die handà antsena mandy koa Ijy. 13Laha tsy mahatoky antsena, die hatoky fahijay Ijy, satria afaka mandà ny tegnany Ijy.''14Ampahatsiahivo anajy ireo hatragny ireo raha ireo. Ampitandremo eo agnatrehan'Andriamanitra ijy ireo ba tsy hifamaly mahakasika ireo jaka. Noho io die tsy misy raha ilaina. Noho io die misy fahasimbana ho an'ireo ijay miteno. [Fagnamarihana: ny dika-teny saragny die mivaky hoe: ''Ampitandremo eo agnatrehan'Andriamanitra areo] 15Ameo ny tsara avy aminao ba hagnomejana tegna hôn'Andriamanitra tahaka ilay ankasitrahina, mpiasa ijay tsy managna antony hahamegnarana, ijay mampianatra ny jakan'ny fahamarinana amin'ny tokony hônajy.16Elao ny jaka fagnatevatevana, ijay mitondra tsikelikely agny amin'ny faharatsem-pagnahy.17 Ny vorian'ijy ireo die hiparitaka hôtran'ny bay mandôke. Eo agnivon'ireo Hymeneo sy Fileto. 18Ijy ireo no lelahy tsy ba nahalala ny marina. Mijaka ijy ireo fa ny fitsanganana amin'ny maty die efa nitranga. Simbain'ijy ireo ny finôn'ny sasagny.19Na die ijany aja, ny fototra tsara lentike naorign'Andriamanitra die mijoro, Managna an'itoy soratra itoy: ''Ny Tompo die mahalala an'ireo ijay Anajy'' ary ''Ijay manontolo ijay manognona ny agnaran'ny Tompo die tsy mentsy miala amin'ny tsy fahamarinana.'' 20Ao amin'ny tragnon'ny mpanakarena, die tsy ireo fitoeran'ny volamena sy volafotsy mandy ny ao. Misy mandy koa ireo fitoeran'ny hajo sy tanimanga. Ny sasagny amin'ijy ireo die ho ampesaina amim-boninahitra, ary ny sasagny hômin'ny fagnalam-baraka. 21Laha misy olo magnadio ny tegnany ho afaka ami'ny fahafaham-baraka, die fitoerana manan-kaja ijy. Ijy die vôtokagna, ilain'ny Tompony, ary vôomagna amin'ny asa tsara manontolo.22Milefasa an'ireo filàn'ny tanora. Mandrobeja fahamarinana, finôna, fitiavana, ary fihavanana miaraka amin'ireo ijay nangaika an'ny Tompo amin'ny fo mafio. 23Fa koja mandàva ny fagnotanena adala sy tsy misy fotony. Fantatrareo fa miteraka ady ireo.24Ny mpanompon'ny Tompo die tsy tokony mifampizizo. Fa koja tsy mentsy malemy fagnahy amin'ny manontolo ijy, mahay mampianatra, ary maharitra. 25Tsy mentsy ao amin'ny fahalemem-pagnahy no ampenarany ireo ijay manohitra anajy. Fa angaha Andriamanitra mety hagnome anajy ireo fibebahana hôn'ny fahalalana ny marina. 26Mety hody indraike koa ny fisegnandreo ary handao ny fandriky ny devoly, laha efa avy nisamboriny tamin'ny sitrapony.
Chapter 3
1Fa fantaro ijao: amin'ny andro farane die hisy ny fotôn-tsarotre. 2Satria ny olo ho tia tégna, tia vola, ho mpirehareha, ho mpandoka tegna, ho mpanevateva an'Andriamanitra, tsy manoa ray aman-dreny, tsy misaotre, ary tsy masina. 3Tsy hanam-pitiavana ny fianakavene areo, mpanohitre, ho mpagnendrikendrike, tsy hahafehy tegna, hahery setra, tsy ho tia ny tsara. 4Ho mpamadika areo, tsy misy eritreritre, mpagnambony tegna, tia fahafinaretana mihôtra noho ireo tia an'Andrimanitra.5Hanagna ny toetra hôtran'Andriamanitra ijy io, kanefa die handà ny herine. Mengà amin'ny olo io. 6Satria ny saragny tamin'dreo die ny lelahy ijay miditre ao an-tokantrano ary mambabo ny viavy adala. Io ny viavy ijay tsy afaka amin'ny fahotana sy vôtarike amin'ny filàna samihafa. 7Io viavy io die mianatra fehijay, kanefa tsy ho tonga amin'ny fahafantarana ny fahamarinana mihintsy.8Hôtran'ijany mandy koa i Jana sy i Jambra nitsangagna nanohitre an'i Mosesy. Tamin'ijane die nitsangagna mandy koa ny mpampianatra sandoke io hanohitre ny marina. Areo die lelahy simba fisaignana, tsy nankasitrahana tamin'ny finôna.9 Fa tsy handroso lavitra ijy io. Satria ny hadalany die ho hita majava amin'ny olo manontolo, hôtranen'ny lelahy io.10Fa laha anareo koja, die efa nagnaraka ny fampenarako, ny fitondrana, ny fikasana, ny finôna, ny faharetam-po, ny fitiavana, ny faharetana,11 ny fagnenjehena, ny fijalena, ary ijay nitranga taminahe tagny Antiokia, tagny Ikonioma ary tagny Lystra. Niaritre ny fagnenjehana iaho. Avy amin'io rehetra io, die namonjy anahy ny Tompo.12 Ijay rehetra te-hiaigna araka ny fomban'Andriamanitra ao amin'i Kristy Jesôsy die ho enjehina.13 Ny olon-dratsy sy ny mpisandoka die ho agny amin'ny ratsy kokoa hatragny. Areo die hitarika ny olon-kafa ho agny amin'ny lalan-diso. Ary areo tegnany die ho vôtarike amin'ijane.14Fa laha anareo koja, mitoera ao amin'ny javatra ijay efa nenaranareo sy ijay efa ninônareo mafy hoe avy amin'ija no efa nenaranareo.15 Fantatrareo fa hatramin'ny fahajajana die efa nahalala ny asa soratra masina anareo. Areo io die hahavita hampahendry anareo ho amin'ny famonjena amin'ny alalan'ny finôna an'i Jesôsy kristy.16Ny Soratra Masina rehetre die avy amin'ny tsindrimandrin'Andriamanitra. Ijany die tombone ho an'ny fotôm-pampenarana, ho an'ny fanondrôna ny diso, ho an'ny fanitsiena, ary ho an'ny fampofagnana amin'ny fahamarinana. 17Ijany die mba hahatonga ny lelahin'Andriamanitra hahay tsara, sy ho voaomagna tanteraka amin'ny asa tsara rehetre.
Chapter 4
1Iaho die magnome itiky didy hentitre itiky eo agnatrehan'Andriamanitra sy Jesôsy Kristy, ijay hitsara ny velogna sy ny mate, ary noho ny fisehone sy ny fanjakane: 2Mitoria ny teny. Mivognonà na amin'ny fotôgna na tsy amin'ny fotôgna. Magnanàra, mijaka mahare, mandrisiha, amim-paharetana sy ny fampenarana abiaby.3Satria ho avy ny fotôgna ijay tsy hatantejan'olo ny feon'ny fampenarana. Fa koja, areo die hisafidy mpampianatre hôn'aje araka ireo fagnirene manokagna. Ireo die hagnitikitike ny sofignan-dreo. 4Hangala ny fitenoan-dreo amin'ny fahamarignana ireo, ary hivily ho agne amin'ireo angano. 5Kanefa anareo, eritrereto tsara ny raha-abiaby. Ereto ny raha-sarotre; amboaro ny asan'ny evanjelista; tontosay ny fanompônareo.6Satria efa hatolotre sahady iaho. Efa avy ny fotôgna hiengako. 7Iaho die efa nahavita ny ady tsara; efa nahavita ny hajakajaka iaho; efa nitanako ny finôna.8 Ny satro-boninahitry ny fahanarignana die efa vôtokagna hôn'ahe, ijay homen'ny Tompo, ilay mpitasara marina, hôn'ahe amin'ijane andro ijane, ary tsy hôn'ahe rerike mandy, fa mandy koa hôn'ireo abiaby ijay efa nitia ny fiboahane.9Omeo ijay tsara abiaby avy aminao mba hiengana amin'ahe atiky malaky. 10Satria i Demasy efa nandao an'ahe. Tiane ijao tontolo ijao ary efa nandeha tagne Tesalonika ijy. Kreska die negnagne Galatia, ary Titosy negnagne Dalmatia.11Lioka rerike mandy no miaraka amin'ahe. Alay i Marka ary indôsy ijy miaraka aminao satria ilaiko amin'ny asa ijy. 12Tykiko die nalefako tagne Efesosy. 13Ilay lamba ijay nabelako tao Troasy miaraka amin'ny Karpo, indôsy igne laha avy anao, ary ireo boky, indrindra ireo mifogno hoditre.14Aleksandro ilay mpanefe varahigna die nampiharihary asa ratsy rahabe tamin'ahe. Ny Tompo die hamaly an'aje araka ireo asane.15 Anao mandy koa die tokone hitandrigna ny tegnanaoamin'aje, satria ijy die manohitra mahare ireo jakanay. 16Tamin'ny ferovan-tegnako vôlohane, tsy nisy nanohagna an'ahe. Nefa koja, ny olo abiaby nandao an'ahe. Ôka mba tsy ho vôheloke amin'ijane areo.17Fa ny Tompo die nitsangagna teo akekiko ary nagnahery an'ahe mba, amin'ny alalako, ny fagnambarana die afake tontosaina tanterake, ary mba afake haharegny ireo Jentilisa abiaby. Iaho die avotre tamin'ny vavan'ny liogna. 18Ny Tompo die hagnavotre an'ahe amin'ny asa ratsy abiaby ary hamonjy an'ahe amin'ny fanjakane agne an-dagnitre. Hôn'ajy anie ny voninahitra mandrakijay doria. Amena.19Atôvy veloma i Prisila, i Akoila, ary ireo havan'i Onesiforosy. 20Erasto die nitoboke tao Korinto, fa i Trofimo die nilôjako fa narary ao Mileto. 21Omeo ijay tsara indrindra avy aminao mba heviana alohakan'ny rirignina. Magnano veloma anao i Eolobolo, ary Poda mandy koa, Lino, Klaodio, ary ireo rahalahy abiaby. 22Hiaraka amin'ny fagnahinao anie ny Tompo. Hôminareo anie ny fahasoavana.1 Peter
Chapter 1
1Petera, apostolin'i Jesôsy Kristy, ho an'ny janake am-pelezana, ny jay vôfidy, magneragna an'i Ponto, Galatia, kapadoka, Asia, die Bitynia. 2Ijany die araka ny fantatr'Andriamanitre Iaba meloha, vôtokan'ny Fanahy ho fankatoavana sy ho famafajana ny ràn'i Jesôsy Kristy ho aminareo anie ny fahasoavana, die hitombo anie ny fedagnanareo.3Ho tahina anie Andriamanitra Iaban'i Jesôsy Kristy Tompontsena. Tamin'ny famindram-pone, no nagnomejana antsena fahaterahanareo vaovao ho an'ny fahatokisan'ny lova. Ijany lova ijany die tamin'ny alalan'ny fitsanganan'i Jesôsy Kristy tamin'ny mate.4 Ijany die ho an'ny lova iajy tsy faty, tsy hy hivetrake, die tsy ho levogna. Ijany die vôtokana ho anareo agny an-dagnitre.5 Anareo die arovan'ny herin'Andriamanitre amin'ny alalan'ny finona, ho an'ny famonjena ijay efa vognona ho ambara amin'ny fotôgna farane.6Tena falifaly makasika ijany anareo, na die ilainareo aja ny hahatsiaro malahelo amin'ny olagna rahabe samiy hafa amijao. 7Ijany die ho an'ny fagnaporofona ny finonareo, ijay manambatreke kokoa noho ny volamena jay mivetrake, na die nosedraina tamin'ny afo aja. Miboke ijany, mba ho hita ny vokatry ny finonareo amin'ny fiderana, voninahitre, die haja amin'ny hiboahan'i Jesôsy Kristy.8Tsy nahita Anajy anareo, fa ny tia Anajy. Tsy mahita anajy anareo amijao, fany mino Anajy die tena faly amin'ny fifaliana tsy hay jakana, matsatsara.9 Resinareo amijao ny vokatry ny finoanareo, die ny famonjena ny fagnahinareo. 10Ireo mpaminany die nikaroke sy nagnadigna tsara ny mikasika ijany famonjena ijany, ny mikasika ny fahasoavana ijay ho anareo11An-dreo die nandrembe ny hahafantatre ny momban'ny hoe ija sy vena ny Fanahin'i Kristy ao amin'dreo no nijaka tamin'dreo. Ijany die tranga hôtra ny nilazane ajy ireo meloha momba ny fijalian'i Kristy sy ny voninahitre magnaraka ijany.12 Nambara tamin'dreo ijany mba tsy hanompo ny tegnany an-dreo, fa anareo, rehefa nijaka ny raha ijay vôlaza tamin'ny alalan'ny Fanahy Masina nalefa laha tagny an-dagnitre-- raha ijay tian'ny anjely ho hantatre.13Noho ijany omagno saignareo. Mihonona tegna. Mametraka fitokiana amin'ny fahasoavana ijay hy ndao eo aminareo amin'ny hisehoan'i Jesôsy Kristy. 14Amin'ny maha-zanake mpankàto, aja mampifanarake ny tegnanareo amin'ny fagnarianaijay narahinareo tamin'ny mbola tsy nahalala anareo.15Fa hôtra ny raike jay nagnatso anareo hoe masina, anareo, mandy koa, ôka ho masina amin'ny fitondran-tegnanareo manontolo. 16Fa vôsoratre hoe: ''Ôka ho masina, satria masina Iaho.'' 17Ka raha magnatso ny raike tsy misy fanavakavahana arake ny asan'olo kiraidraike aby hoe: ''Baba'' anareo, die handany ny fotôgn'andronareo amin'ny fanehoana fagnajana.18Fantatrareo fa tsy avy tamin'ny volafotsy na volamena mety levogna no angnavotana anareo tamin'ny fitondran-tena môla ijay nianaranareo tamin'ny razagnanareo. 19Fa koja, navotana tamin'ny rà sarobidin'i Kristy anareo, ijay hôtra ny zanak'ondry tsy misy kilema na tsigny.20Vôfidy talohan'ny nananganana an'ijao tontolo ijao Kristy, fa ankehitriny die tamin'ny fotôgna farane no nagnambarana Anajy taminareo.21 Amin'ny alalany no hinoanareo an'Andriamanitre , ijay nananganana anajy tamin'ny maty sy tamin'ny nomeny voninahitre mba ho ao amin'Andriamanitre ny finoana sy fahatokianareo.22Nagnadio ny fanahinareo tamin'ny fankatoavana ny fahamarinana anareo. Ijany die ho an'ny fitiavana ara-piralahina madio; noho ijany mifankatiava fatratre amin'ny fo. [Fagnamarihana: Ireo dikan-teny sasane die mivaky hoe: ''Nagnadio ny fanahinareo tamin'ny fankatoavana ny fahamarinana tamin'ny alalan'ny Fanahy anareo''] 23Tanterake indraike anareo, tsy avy amin'ny voa mety maty, fa avy amin'ny voa tsy mety maty, amin'ny alalan'ny tenin'Andriamanitre velona sy mitoetre.24Fa ''ny nofo abiaby die hôtra ny ahitre, die ny voninahine manontolo die hôtra ny voninkazon'ny ahitre. Maigna ny ahitre, die malazo ny voninkaza, 25fa ny tenin'ny Tompo die mipetrake mandrakizay.'' Ijany vaovao mahafaly ijay nambara taminareo.
Chapter 2
1Noho ijany areo ny ratsy manontolo, ny fahadisôm-pagnatenana manontolo, ny fetsaram-belatsihy, ny fagniriena, die ny fagnendrikendrehana manontolo. 2Hôtrany ny jaja vô terake, magniry ronono ara-pagnahy madio, mba hahafahanareo mitomboao amin'ny famonjena amin'ny alalan'izany,3 laha mahatsapa anareo fa tsara fagnahy ny Tompo.4Magnatogna anazy ny vato velogna izay narian'olo, fa vôfidin'ny Andriamanitra ho manan-danja Aminaze.5 Anareo mandy koa de hôtran'ny vato velona izay vôarina ho tragno ara-pagnahy, mba ho mpisorona masina izay manompitra ny sorona ara-pagnahy eken'Andriamanitra amin'ny alalan'ny Jesôsy Kristy.6Ny soratra Masina die ahitana izao : "Indro, Iaho mipetraka amin'ny jiona vato fehizoro, vôfidy sy manan-danja. Izay manontolo mino Anaze die tsy ho megnatre."7Ny voninahitra noho izane die ho anao izay mino, kanefa,"Ny vato naren'ny mpagnano tragno, izany die nagnamboarana fehizoro" 8Ary, vato nahatafatohigna sy vatolampy mahalavo. Tafatohigna areo, tsy miteno ny zaka, izay voatokagna ho andreo mandy koa.9Fa anao die olom-bôfidy, mpisoron'ny mpanjaka, fierenena masina, olo ho an'ny fagnanan'Andriamanitra, mba ho afaka ambara ny hatsaran'ny asan'ny raike izay nangaikanao avy tao amin'ny hezigna handeha ao amin'ny hazavana mahazendagna anao. 10Taloha anao tsy olo, kanefa amin'inzao anao die olon'Andriamanitra. Tsy mandray famindram-po anao fa amin'nizao anao mandray famindram-po.11Ry malala, nangaika anareo hôtran'ny vahiny sy mpirenireny iaho mba hifady ny filan'ny nofo, izay mahavy ady manohitra ny fagnahinareo. 12Tokony managna fitondran-tena tsara anareo eo amin'ny jentilisa mba ho, laha mivoria momba anareo ho nagnano raha ratsy anareo, die tokony ahita ny asa tsaranareo sy hankalaza amin'ny andro izay heveny.13Hankatoavy ny fahefan'ny olombelona aby daholo noho ny amin'ny Tompo. Hakantoavy hôtran'ny ambony indrindra ny mpanjaka, 14sy ny governora mandy koa, izay nalefa mba hagnasazy ny mpagnano ratsy sy hankalaza ireo izay magnano ratsy. 15Fa izay no sitrapon'Andriamanitra, amin'ny fanôvana ny tsara anareo die mampangigna ny voria tsy mahalala fomba ny olo-môla 16hôtran'ny maha- olon'afaka, aza ampesana hôtran'ny fandrakofana fahalemena ny fahafahanao fa ôka hôtran'ny mpanompon'Andriamanitra. 17Omeo voninahitra ny olo aby daholo. Tiavo ny firahalahina. Matahora an'Andriamanitra.Omeo voninahitra ny mpanjaka.18Ry mpanompo, meteza hagneky ny Tomponareo amingny fagnajana manontolo. Aza magneky ho mpanompon'ny tsara sy ho Tompo tsara fagnahy, fa ho an'ny ratsy toetra mandy koa. 19Satria mendri-piderana izany laha misy miaritra fanaitagnana laha efa mijaly amin'ny tsy rariny noho ny fagnantegnany an'Andriamanitra. 20Fa hôtrino ny vola laha manota anao die miaritra mandritra ny fagnasajiena anao, die mendri-piderana an' Andriamanitra izane.21Fa noho itoy no nangihana anao, satria Kristy mandy koa die nijaly ho anao. Namela ohatra anao izany mba hagnarahana ny lalane. 22Tsy manonta izy, na hoe misy fitala tam-bavane.23 laha nizakana ratsy izy, die tsy namaly ratsy laha nijaly izy, die tsy nitrerogna, fa nanolotre ny tegnane tamin'ny raike izay mpitsara ampahamarinana.24Izay tegnane die nitondra ny fahotantsena tao amin'ny tegnany ho eo ambony hajo, mba tsy hanagna anjara amin'ny fahotana koa antsena, ary mba hiaigna ho an'ny fahamarinana. Tamin'ny alalan'ny ratrane no nahafake anareo.25 Nitotototo hôtran'ny ondry vere anareo aby daholo, fa ankehitriny anareo niverigna tamin'ny mpiandry tamin'ny mpiandry ondry sy mpiambigna ny fagnahinareo.Chapter 3
1Amin'ijany fomba ijany, anareo viavy die tokony hagneky ny vadinareo. Atôvy ijany na die misy lelahy maro aja tsy mankatoa ny teny, ary mety ho ajo areo na tsy misy aja ny teny, amin'ny alalan'ny fitondran-tegnan'ny vadin'dreo. 2Fa areo die hahita ny fitondran-tegna mendrikareo am-pagnajana.3Ôka ijany ho tanteraka tsy miaraka amin'ny haingo ivelagne: randram-bolo, firavake volamena, na akanjo lamôdy.4 Fa koja, ôka ijany ho tanteraka miaraka amin'ijay ao am-pon'ny olo, sy ny hatsarana maharitran'ny fagnahy tsara sy mangina, ijay sarobidy eo agnatrehan'Andriamanitra.5Fa ny viavy masigna taloha no nandravake ny tegnandreo hôtran'ijane. Nanagna fahatokena an'Andriamanitra areo ary nagneky ny vadiny aby. 6Hôtran'ijany fomba ijany no nankatoavan'i Abrahama an'i Saraha sy nangihany anajy ho tompony. Anareo die janagny ankehitriny laha magnano ijay tsara sy tsy matahotra olo anareo.7Hôtrany ijany mandy koa, Anareo lelahy die tokony miaigna amin'ny vadinareo araky ny fahajavan-saigna , hôtran'ny fanaka malemy kokoa, ny viavy. Tokony amenareo voninahitra areo hôtran'ny mpiara-mandova ny fagnomejan'ny fiegnana. Atôvy ijany ba tsy ho vôsakagna ny vavakareo.8Farane, anareo aby daholo, ôka hiray saigna, nalahelo, hifankatia hôtran'ny mpirahalahy, ho tso-po, ary hagnetry tegna. 9Aja mamaly ratsy ny ratsy na manevateva ny mpanevateva. Mifanohitra amin'ijay aja, mitahia hatragne, fa noho ijany no nagnatsovana anareo ba hahafahanareo mandova ny fitahena.10Ny raike je tehankafy ny fiegnana sy te-hahita andro tsara die tokony hampijanogna ny lelany amin'ny ratsy sy ny molony amin'ny fijakana fitaka. 11Ôka ijy hiala amnin'ny atao hoe ratsy ary hagnano je tsara. Ôka ijy handremby fedagnana sy hitaky an'ijane.12 Ny amason'ny Tompo mahita ny marina, ary ny tadigniny maheregny ny fangatahandreo. Fa ny vatagn'i Tompo die manohitra ireo je magnano ratsy.''13Ija ny raike jay hamango anareo laha magniry ny hagnano ny tsara anareo? 14Nefa laha mijaly nohon'ny fahamarinana anareo, die sambatra. Aja matahotra je hatahorandreo. Aja mangitakitake.15Fa koja, atokano hôtran'ny masigna ao amponareo ny Tompo Kristy. Mivognona hatragny hamaly ny olo manotolo je magnotany anareo ny antony hatokenareo an'Andriamanitra. Atôvy amin'ny halemem-pagnahy sy fagnajana ijany. 16Managnà feon'ny fieritreretana madio ba ny olo ijay manevatevan'ny fiegnana tsara anareo ao amin'ny Kristy die mety megnatra satria mijaka manohitra anareo anreo hôtran'ny hoe mpagnano ratsy anareo. 17Tsara kokoa, laha Andriamanitra no magniry, fa mijaly anareo amin'ny fagnanôvana ny tsara nohon'ny fanôvana ny ratsy.18Efa nijaly nohon'ny fahotana mandy koa i Kristy. Ijy ijay marina die nijaly hôntsena, ijay tsy marina, ba hitondrany antsena eo amin'Andriamanitra. Nivonina tamin'ny nofo Ijy, fa nivelomin'ny Fagnahy. 19Tamin'ny alalan'ny Fagnahy, die nandeha ijy ary nitory hôn'ny fagnahy ijay agny am-ponja ankehitriny. 20Tsy nankatò areo laha efa nandigny ny faharetan'Andriamanitra tamin'ny andron'i Noa, tamin'ny andron'ny fanganana sambofiara, ary Andriamanitra namonjy olo vitsy_ fagnahy valo_ tamin'ny rano.21Ijany no famatarana ny batisa ijay mamonjy anareo ankehitriny_ tsy hôtran'ny fagnadiovana ny loto amin'ny vatagna, fa hôtran'ny angihan'ny feon'ny fieritreretana hômin'Andriamanitra _ tamin'ny alalan'ny fitsanganan'i Jesôsy Kristy tamin'ny maty. 22Kristy die eo antagna-kavanan'Andriamanitra. Niakatra agny andagnitra ijy. Ireo anjely, ireo manampahefana, ary ny hery die tsy mentsy magneky Anajy.
Chapter 4
1Noho ijany, satria nijaly tamin'ny nofo i Kristy, die ataovy fiadian'ny tegnanareo ijany tanjona ijany. Fa ijay abiaby nijaly tamin'ny nofo die nitsahatre tamin'ny fahotana. 2Vokatr'ijany, ny olo hôtran'ijany, mandritra ny fotôgna sisa hiagnany, die tsy hiaigna ho an'ny fanirian'ny olo koa, fa ho a'ny sitrapon'Andriamanitra.3Fa ampy ijay ny fotôgna lasa nanaovana ijay tian'ny jentilisa atao- hafalian'ny nofo fijejojejoana, fimamoana, fitondra-tegna mahamegnatra, filalaovan-dratsy, ary asan'ny fanompoan-tsampy maharikoriko. 4Heverindreo fa hafahafa satria tsy mikambagna amin-dreo ao amin'ijany fanaranam-po be ijany anareo, noho ijany die hijaka ratsy momba anareo areo. 5Hamale ny raike ijay vognona hitsara ny velogna sy ny maty areo. 6Noho ijany antony ijany no nitoriana ny vaovao mahafaly tamin'ireo maty mandy koa, mba , na die notsaraina tamin'ny nofo hôtran'ny olo aja areo, die hiaigna hôtran'Andriamanitra ao amin'ny fanahy7Magnakeke ny faran'ny raha abiaby.Noho ijany tongava saigna, ary mahonogna tegna min'ny eritreritrao ho an'ny fitiavam-bavaka. 8Ambonin'ny raha abiaby. manàgna fitiavana feno ho an'ny kiraidraike aby, fa ny fitiavana mandrakotre fahotana maro. 9Mifampiandragnoa tsy am-pitaraignana.10Fa ny kiraidraike aminareo die nandray fagnomejam-pahasoavana, ampiasao hifanompoana ijany. Manôva ijany hôtran'ny mpitan-draharahan'ny fanomejam-pahasoavana rahabe maimaimpoagna an'Andriamanitra. 11Lasa misy mijaka ôka ijy hagnano ijany hôtran'ny raike mijaka ny tenin'Andriamanitra.Laha misy manompo aoka ijany ho avy amin'ny hery ijay vatsian'Andriamanitra. Manaova ireo raha ireo mba homem-boninahitra amin'ny alalagn'i Jesôsy Kristy amin'ny fomba abiaby Andriamanitra. Aoka ho an'i Jesôsy Kristy ny voninahitra sy hery mandrakijay doria. Amena12Ry malala, aja resina ho hafahafa ny fitsapana amin'ny afo ijay nitranga taminareo, hôtran'ny hoe nisy raha hafahafa nitranga taminareo. 13Fa koja, na die be aja ny hiaignanareo ireo fijalian'ny Kristy, mifalia, mba ho afaka hifaly mandy koa anareo ary ho ravoaravo amin'ny fagnambarana ny voninahiny. 14Laha notevatevaina noho ny agnaran'i Kristy anareo, die voatahy, satria ny Fanahin'ny voninahitra sy ny Fanahin'Andriamnitra die mipetrake ao aminareo.15Fa aoka tsy hisy n'ija n'ija aminareo hijaly hôtran'ny mpamono olo, mpangalatra, mpagnano ratsy, na mpiraharaha ny an'ny hafa . 16Fa laha misy mijaly fa Kristiana, aoka ijy tsy ho megnatre; aoka hagnome voninahitra an'Andriamanitra amin'ijany agnarana ijany ijy.17Fa fotôgna ijao hanombohana ny fitsarana miaraka amin'ny ankohonan'Andriamanitra. Laha manomboka amintsena ijany, ino no ho vokatra ho an'ireo ijay tsy mankàto ny filajantsaran'Andriamnitra?18 Ary laha ''ny olo-marina aja mila tsy ho vôvonjy, amin'ny fomba ahôna no hisehoan'ny olo tsy an'Andriamanitra sy ny mpanota?"19 Noho ijany aoka ireo mijaly noho ny sitrapon'Andriamanitra hagnakigna ny fagnahin-dreo amin'ny Mpamorona mahatoky amin'ny fanaovan-tsoa.Chapter 5
1Magnanatra ireo loholona aminareo aho, iaho, ijay loholona akama. Iaho mandy koa die vavolombelogn'ireo fijalen'i Kristy, ary hiany koa mpikambagna ao amin'ny voninahitra ijay efa haseho. 2Noho ijany, magnanatra anareo aho, ry loholona, embeno ny ondrin'Andriamanitra ijay eo aminareo. Arahy maso ijy ireny, tsy amin'ny fahatereterena, fa amin'ny sitram-ponareo, araka ny sitram-pon'Andriamanitra. Araho maso ijy ireny, tsy amin'ny vola maloto, fa an-sitram-po. 3Aja manjakajaka amin'ny olo ijay tandremanareo. Fa koja, ôka ho fitaratra hôn'ny ondry. 4Ary laha efa mipoitra ny lohan'ilay mpiambigna ondry, die hahajo satro-boninahitra tsy mety simba anareo.5Hôtran'ijany mandy koa, anareo tanora fagnahy, magnekea ny olon-dehibe. Anareo manontolo, tafio fagnetren-tegna ny tegnanareo ary mifanompoa. Fa Andriamanitra manohitra ny mpirehareha, fa magnome fahasoavana ny mpanetr-tegna. 6Noho ijany, manetre tegna eo ambanin'ny tagna-maherin'Andriamanitra ba hanandratany anareo amin'ijany fotôgna ijany. 7Avilay eo Aminajy ny fagnahinareo manontolo, satria ijy no miahy anareo.8Mahonana tegna, miembena. Ny fahavalonareo, die ny devoly, mihodidigna hôtran'ny liogna mitrerogna, mandremby ijay olo harapagny. 9Manohera anajy. Mioregna amin'ny finônareo. Fantatrareo fa ijany fahorena ijany die manjo ny firesan'ireo mpino magneragna an'ijao tontolo ijao mandy koa.10Laha efa avy nijaly nandritry ny fotôgna fohika anareo, ny Andriamanitry ny fahasoavana manontolo, ijay nangaika anareo ho amin'ny voninahiny mandrakijay ao amin'ny Kristy, die hahatanteraka anareo, hanangagna anareo, ary hampahery anareo. 11Hônajy anie ny fanjakana mandrakijay mandrakijay. Amena.12Resiko hôtran'ny rahalahy mahatoky i Silasy, ary nanoratra teny fohifohike hônareo tamin'ny alalany aho. Magnanatra anareo aho ary magnambara anareo fa ijay nisoratako die fahasoavana marin'Andriamanitra. Mijoroa amin'ijany. 13Ny viavy ijay agny Babylona, ijay vôfidy niaraka taminareo, magnano veloma anareo. Ary koa i Marka, janako lahy, magnano veloma anareo. 14Mifanôva veloma amin'ny fagnoroham-pitiavana. Hôminareo manontolo anie ny fedanana ijay ao amin'ny Kristy.Revelation
Chapter 1
1Itiky ny fagnambaràna an'i Jesôsy Kristy ijay nomen'Andriamanitra an'aje hampisehôna an'ireo mpanompone ny raha tsy mentsy hisy. Nampahafantarine ijane tamin'ny alalan'ny fagnirahane ny anjeline hôn'i Jaona mpanompone. 2Jaona die nagnamarina ny momban'ny tenin'Andriamanitra sy ireo fijorôna vavolombelogna mahakasika an'i Jesôsy Kristy, sy ireo raha abiaby hitane. 3Sambatre ijy ijay mamaky amin'ny feo ambone, ary ijay miteno ny tenin'ijane faminaniana ijane, sy ijay mitandrigna ijay vôsoratra ao amin'ijane, satria efa marivo ny fotôgna.4Jaona negnagne amin'ireo fengonana fito tagne Asia: Hôminareo anie ny fahasoavana sy ny fedagnana avy amin'ilay ankehitriny, sy talohake, ary ho avy, sy avy amin'ireo fagnahy fito ijay eo agnatrehan'ny seja fendrianane, 5ary avy amin'i Jesôsy Kristy, ijay vavolombelogna marina, lahimatoa amin'ny maty, ary lehiben'ny mpanjakan'ny tany. Hôn'ilay tia antsena sy nagnafaka antsena tamin'ireo fahotantsena tamin'ny ràne --- 6Ijy die nagnano antsena ho fanjakana, mpisorogna hôn'Andriamanitra sy Iabane --- hôn'Ajy anie ny voninahitra sy ny fahefana mandrakijay doria. Amena.7Igne, avy amin'ny rahogna Ijy; ary ny maso abiaby hahita an'Aje, na die ireo nandefogna an'Ajy aja. Ny firenena abiaby ambonin'ny tany hitagny an'Aje. Ieke, Amena. 8''Iaho no Alfa sy Omega,'' hoy ny Tompo Andriamanitra, ''ilay ankehitriny, sy talohake, ary ho avy, die ilay Tsitoha.'' (Fagnamarihana: ny dikan-teny hafa talohaka die mivaky hôtran'ijao: ''Iaho no Alfa sy Omega, ny fendohàna sy fefaràna,'' hoy ny Tompo Andriamanitra.9Iaho, Jaona--rahalahinareo sy ilay raike ijay nijara taminareo tao agnatin'ny fijaliena sy fanjakana ary ny faharetana ao amin'i Jesôsy Kristy--- die tao amin'ny nosy angihina hoe Patmo noho ny jakan'Andriamanitra sy ny fijorôna vavolombelogna ny mahakasika an'i Jesôsy. 10Iaho die nitaritin'ny Fagnahy tamin'ny andron'ny Tompo. Naharegny feo mahery hôtran'ny trompetra tafarako teo iaho. 11Nagnano ijane hoe: ''Soraty ao amin'ny boky ijay hitanao, ka alefaso agne amin'ireo fengonana fito-- hôn'ny Efesosy, Smyrna, Pergamosy, Tyatira, Sardisy, Filadelfia, ary Laodikia.''12Nijaha ny magnodidigna iaho hoe feon'ija ijane nijaka tamin'ahe ijane, ary laha nitodika iaho die nahita fanôvan-jiro volamena fito. 13Ary teo agnivon'ny fanôvan-jiro nisy raike hôtran'ny Janak'Olo, nagnano akanjo lava hatagne amin'ny hongone, ary fehin-kibo volamena magnodidigna ny tratrane.14Ny lohany sy ny volony die fotsy hôtran'ny volon'ondry_fotsy hôtran'ny rano mandre, ary ny masony hôtrany lelanafo.15 Ny tongone mangiragna hôtran'ny varahigna, hôtran'ny varahigna vôdio teo amin'ny lafôro, ary ny feony hôtrahan'ny feona rano be mikoregna. 16Ary nanagna kintagna fito tegny an-tanagny ankavanana Ijy, ary sabatra roa lela maragnitra nivôka avy teo amin'ny vavane. Ny tarehine die najava hôtrany masoandro laha efa miredareda.17Laha efa nahita Anajy iaho, die lavo teo amin'ny tongony hôtrany olo maty. Nanendry anahy tamin'ny tanagne ankavanana Ijy ka nagnano hoe: "Aja matahotre. Iaho no vôlohany sy farane,18 ary ny raike ijay velogna. Efa maty Iaho, fa indro, velogna mandrakijay! Ary Iaho managna ny fanalahidin'ny fahafatesana sy ny Fiaignan-tsy hita.19Noho ijany soraty ijay hitanao, ijay ankehitriny, sy ijay hitranga afaran'ijao. 20Hôtrany java-misitrika mahakasike ny kintagna fito ijay hitanao tegny an-tanan-kavanako, sy ny fanôvan-jiro volamena fito: "Ny kintagna fito die ny anjelin'ny fengonana fito, ary ny fanôvan-jiro fito die ny fengonana fito."Chapter 2
1Soraty ho an'ny anjelin'ny fiangonana ao Efesosy hoe: ''Ireto ny jaka laha tamin'ny raike ijay mitazogna ny kintagna fito amin'ny tanan-kavanany die mandeha eo amin'ireo fanaovan-jiro volamena, 2''Fantatro ijay efa vitanao sy ny asa mafinao die ny fiaretanao maharitra. Fantatro fa tsy afaka handefitre amin'ny olon-dratsy anao. Fantatro fa notsapainao ireo ijay milaza ajy reo ho apostoly, nefa fa tsy ijy, die hitanao ijy reo fa sandoke.3Fantatro fa managna faharetana anao, die nijaly mafy nohon'ny amin'ny agnarako, die tsy nilavo lefogna anao.4 Nefa manohitra anao iaho satria nemela ny fitiavanao vôlohany anao.5 Tsarovy noho ijany ny toerana ijay nahalavo anao. Mibebaha die manôva ny raha nataonao vôlohany. Fa raha tsy mibebake anao, die ho avy agny aminao iaho die hangala ny fanaovan-jironao amin'ny fipetrahany.6Feny ijao no ataonao: ''Halanao ny raha-vitan'ny Nikolaita, jay haloko mandy koa. 7Ôka jay manan-tadigny hiheno jai jakain'ny Fanahy ho an'ny fiangonana. Ho an'ny raike je maharesy die homeko alalagna hihinagna ny laha tamin'ny hazon'ny fiainana, jay ao amin'ny paradisan'Andriamanitre.'''''8Soraty ho an'ny anjelin'ny fiangonana agny Smyrna hoe: '' Ito ny jakan'ny raike je vôlohane die ny farany, ny raike je efa mate nefa velogna koa: 9''Fantako ny fahorinao sy ny fahantranao, nefa manan-karena anao. Fantako ny fitenenan-dratsy ho an'ny je miteny ny tegnany fa Jiosy, kanefa tsy ijy. Synagogan'i Satana areo.10Aja mangoaigna ny amin'jay efa hieratanao. Indro! Ny devoly die hanipy ny saragne aminareo agny amin'ny tragnomaezigna mba ho tsapaina anareo, die hijaly mandritry ny folo andro anareo. Matokia mandra-pahafaty, ka homeko anareo ny satro-boninahitry ny fiainana. 11Ijay manan-tandigny ôka ijy hiheno ijay jakain'ny Fanahy ho an'ny fiangonana. Ny raike je maharesy die tsy ho hivetrakin'ny fahafatesana faharoa.'''''12Soraty ho an'ny anjelin'ny fiangonana agny Pergamosy hoe: ''Ito ny tenin'ny raike jay managna begnitre roa lela: 13''Fantako jay onegnanao, die ao amin'ny hipetrahan'ny seza fiandrianan'i Satana. Die amijao mitagna mahere ny agnarako anao. Fantako fa tsy nandà ny finoanao ny aminahy anao, na die tamin'ny andron'i Antipasy vavolombeloko ajy, jay nahatoky Anahy, jay novonoina teo aminareo, tao amin'ny fonenan'i Satana.14Fa manan-jaka kely aminao Iaho:''Misy saragny aminareo mivahatre mafy ny fampianaran'ny Balama, ijay nampianatra an'i Balaka hametraka fanafintohinana eo anatrahan'ny zanak'Israely, mba hihinanan'dreo ny hanina natao sorona ho an'ny sampy die ho fijangajangana.15 Hôtran'ijany mandy, misy saragny aminareo mivahatre mafy ny fampianaran'ireo Nikoloita.16Mibebaha, noho ijany! Fa raha tsy ijany, die ho tonga malaky agny aminareo Iaho, die hifanandrina amin'dreo iaho miarake amin'ny sabatry ny vavako. 17Ôka ijay manan-tadigny hiheno ijay jakain'ny Fanahy ho an'ireo ijay maharesy, homeko, ny saragny amin'ireo mana mivony, die homeko vato fotsy miaraka amin'ny agnaram-baovao voasoratra eo amin'ny vato, anarana ijay tsy fantatr'olo afa-tsy ijay mandray ajy mandy.'''''18Soraty ho an'ny anjelin'ny fiangonana ao Tyatira hoe: 'Ireto ny jakan'ny Zanak'Andriamanitre, ijay manana maso hôtra ny lelafo die tongotre hôtra ny varahigna mangiragna:19''Fantako ijay vitanao: Ny fitiavanao sy ny finoanao sy ny fanomponao die ny faharetanao. Fantako fa ijay vitanao farany die rahabe noho ijay vitanao vôlohany.20kanefa ijao no hanoherako anao: Leferinao ny viavy Zezebela, ijay miantso ny tenany ho mpaminany vavy. Amin'ny alalan'ny fampianaran'ny die mamitake ireo mpanompoko ijy mba hijangajanga atao sorona ho an'ny sampy.21 Nagnome fotogna mba hibebahany Iaho, kanefa tsy mety hibebaka ny amin'ny fijangajangany ijy.22Indro! Hataoko marary eo ampandrena ijy, die ireo ijay mijangajanga miaraka aminajy die hampahoriako mafy, raha tsy mibebake amin'ny asa ratsin'ny viavy ijy reo. 23Ho vonoiko ho faty ireo zanany, die ireo fiangonana manontolo die hahalala fa Iaho ny mahita ny fieritreretana sy fihetsem-po. Homeko araka ny asanareo tsiraidraike aby anareo.24Fa ny aminareo ijay sisa ao Tyatira, ijay manontolo tsy mitajogna ijao fampianarana ijao, sy tsy mahalala ijay angihin'ny saragny hoe sain-dalin'i Satana_Ijao no jakaiko aminareo hoe: ''Tsy vesariko entagna hafa anareo.'' 25Na ijany aja, tsy maintsy mitajogna mahare ny finoanareo anareo mandram-peviko.26Ny raike ijay maharesy sy ijay manao ijay efa vitako hatramin'ny farany, die homeko ajy ny fahefana amin'ny firenana aby.27 'Hanapaka eo amin'ijy reo miarake amin'ny tehim-by ijy, hôtra ny fanorotoroina vilagny tany no hanapotehina ajy ireo.'28 Hôtra ny nandresako laha tamin'ny Iabako, no hagnomezako ajy kintagna maraigna mandy koa.29 Ôka ny raike ijay manan-tadigny hiheno ijay jakain'ny Fanahy ho an'ireo fiangonana.'''''Chapter 3
1Soraty ho an'ny anjelin'ny fiangonana agny Sardisy hoe: 'Ijao no tenin'ny mitana ny Fanahy fiton'Andriamanitre sy ny kintana fito. ''Fantatro ijay nataonao. Malaza ho velogna anao, nefa anao maty.2 Mifohaza die hatanjaho ijay favela, fa efa ho faty, satria tsy hitako tanterake ny asanao eo amason'Andriamanitrako.3Tadidio, noho ijany, ijay noresinareo sy regninareo. Ankatoavy ijany, die mibebaha. Fa raha tsy mifoha anareo, die ho tonga hôtra ny mpangalatra Iaho, die tsy ho fantatrareo ny lera heveko aminareo. 4Fa misy agnaran'olo vitsivitsy agny Sardisy ijay tsy nandoto ny ankanjon'dreo. Henga hiaraka aminahy an'dreo, menkanjo fotsy, satria magneva.5Ny raike ijay maharesy die ho ampenkanjona fotsy, die tsy hamafa ny agnarany ao amin'ny Bokin'ny Fiainana mihitsy Iaho, die hijaka ny agnarany eo anatrehan'ny Iabako, sy eo anatrehan'ny anjeline. 6Ôka ijay manan-tadigny hiteno ijay jakain'ny Fanahy amin'ireo fiangonana.'''''7Soraty ho an'ny anjelin'ny fiangonana agny Filadelfia hoe: 'Ijao no jakan'ny raike ijay masina sy marina_ijy no mitagna ny la clé an'i Davida, ijy no mamoha die tsy misy na ija na ija magnidy, ijy no magnidy die tsy misy na ija na ija afaka manokatre.8 ''Fantako ijay vitanareo. Indro, nametrahako varavarana mivoha eo anatrehanareo ijay tsy afake hidin'ija na ija. Fantako fa manana hery kely anareo, ka nankàto ny jakako die tsy nandà ny agnarako.9Indro! Ireo ijay an'ny Synagogan'ny Satana, ireo ijay mijaka fa Jiosy an-dreo nefa tsy ijy akory; fa mivandy koja an'dreo. Hataoko tonga ka henkohoke eo an-tongotrao an'dreo, die ho avy an'dreo mba hahafantatre fa nitia anao Iaho. 10Satria efa nitandrigna ny didiko tamin'ny faharetana anareo, die hiaro anareo amin'ny andro fitsapana ijay efa ho tonga amin'ijao tontolo manontolo ijao mandy koa Iaho, mba hitsapa ny ijay miaigna eo ambonin'ny tany.11 Ho tonga tsy ho ela Iaho. Tano mafy ijay hanananao mba tsy hisy afake hangala ny satro-boninahitrao.12Ataoko andry eo amin'ny tempolin'nyAndriamanitro ijay mandresy, die tsy hiala eo mihintsy ijy. 13Ho soratako eo aminajy ny anaran'Andriamanitrako, ny agnaran'ny tanànan'ny Andriamanitro (ny Jerosalema vaovao, ijay mijotso laha tagny an- danktra laha tamin'ny Andriamanitrako ), sy ny agnarako. Ôka ijay manan-tadigny hiteno ijay jakain'ny Fanahy amin'ireo fiangonana.'''''14''Soraty ho an'ny anjelin'ny fiangonana agny Laodikia hoe: ''Ijao no jakan'ny Amena, ny vavolombelona mahatoky sy marina, ny manapake ny zava-boaharin'Andriamanitra.15 ''Fantako ijay nataonareo, die tsy manara na mafana anareo. Magniry Iaho mba ho manara na mafana anareo! 16Noho ijany, satria anareo matimaty_sady tsy mafana no tsy manara_ die efa halokan'ny vavako anareo.17Fa hoy anareo hoe: 'Manan-karena iaho, nanagna fitaovana rahabe, ka tsy mila na ino na ino.' feny tsy fantatrareo fa anareo no tena ory, mahatserike, misotry, fé die mijily. 18Tenoy ny torohevitrako: Mivanga volamena voadio tamin'ny afo aminahy mba ho tonga mpanan-karena anareo, die akanjo manjopiake mba ho afake mampitafy ny tegnanareo anareo ka tsy hampibôke ny hegnatre ny fijilianareo, die hagnosotre ny masonareo mba hahitanareo.19Ampiofaniko ny kiraidraike aby ijay tieko, die hampinariko an'dreo ny fomba tokony hiaingnan'dreo. Noho ijany, majotoa ary mibebaha.20 Indro, mijoro eto amin'ny varavaragna Iaho ary mandondogna. Raha misy mandre ny feoko ka mamoha ny varavaragna, die ho tonga ao an-dragnony Iaho ka hihinagna miaraka aminajy, die ijy miaraka aminahy.21Ny raike ijay mandresy, hatolotro ajy ny zo hipetraka miaraka aminahy eo amin'ny seza fiandrianako, hôtra ny nadreseko koa ka nipetrahako niaraka tamin'ny Iabako teo amin'ny seza fiandrianany. 22Ôka ijay manan-tadigny hiteno ijay jakain'ny Fanahy amin'ireo fiangonana.'''''Chapter 4
1Tafaran'ijany raha ijany die nijaha iaho, ary nahita varangaragna raike nisokatre tegny amin'ny lagnitre. Ny feo vôlohany ijay regniko die nivoria tamin'ahy hôtran'ny trompetra, nagnano hoe:" Miakara etoy, ary ho abôkako anao ijay tsy maintsy hitranga afaran'ireo'raha ireo." 2Nisy fotôgna aho vôtariky ny Fanahy, ary nahita fa nisy seja fiandriagnana nipetrake tegny amin'ny lagnitre, nisy olo nidoboke teo ambonin'ijany. 3Ilay raike ijay nidoboke teo amboniny die miendrike hôtran'ny jaspa sy karneola. Nisy avagna nanaodidigna ny seja fiandriagnana. Ilay avagna die miendrike hôtran'ny emerôda.4Nisy seja fiandriagnana efatra amby roapolo nagnodidigna ilay seja fiandriagnana, ary loholona efatra amby roapolo no nidoboke teo ambonin'ireo seja fiandrianagna, niakanjo fotsy, niarake tamin'ny satro-boninahitre volamena tegny an-dohan-dreo. 5Avy tamin'ilay seja fiandriagnana no nisy tsela-pahajavana, kotroke, ary kotro-baratre. Nisy jiro fito nirehitre teo alohan'ny seja fiadrignana, jiro ijay fagnahy fiton'Andriamanitra.6Teo alohan'ny seja fiandriagnana die nisy ranomasina fitaratre, hôtran'ny kristaly. Ireo java-managn'aigna efatre die teo ampovoan'ny seja fiandriagnana sy nagnodidigna an'ijany, feno maso, teo alohany sy tao an-damosigny.7Ilay java-managn'aigna vôlohany die hôtrin'ny ny liogna, ilay java-managn'aigna faharoe hôtrin'ny janaka aombe, ilay java-managn'aigna fahatelo die miendrike olo, ary ilay java-managn'aigna fahaefatre hôtran'ny voro-mahere magnembogna. 8Ireo zava-managn'aigna efatre die samy managna elatre enina aby, feno maso ny ambony sy ny ambany. Andro sy Aligna areo die tsy miegnina mijaka hoe: ''Masina, masina, masina ilay Tompo Andriamanitra Tsitoha ijay nisy, sy misy, ary mbola ho avy."9Na ovena na ovena ireo java-managn'aigna die hagnome voninahitre, laja, ary fisôrana an'ilay raike ijay midoboke eo amin'ny seja fiandriagnana, ilay raike ijay velogna mandrakijay doria, 10ireo loholona efatre amby roapolo die nampiankohoke ny tegnan-dreo eo alohan'ilay raike ijay midoboke eo amin'ny seja fiandriagnana. Miankohoke eo amin'ilay raike ijay velogna mandrakijay doria areo, ary nanipy ny satro-boninahi-dreo teo alohan'ny seja fiandriagnana, mijaka hoe: 11"Mendrike anao, ry Tomponay sy Andriamanitray, handray ny voninahitre sy ny laja ary ny hery. Fa Anao no mamorogna ny raha abiaby, ary tamin'ny alalan'ny sitraponao, die nisy areo ary noharana."Chapter 5
1Ary nahita ny tagnanan-kavanan'ilay raike ijay nidoboke teo amin'ny seja fiandrianagna iaho, horognan-taratasy vôsoratre eo aloha sy ao afara. Ary nofehejina tamin'ny tombo-kase fito ijany. 2Nahita anjely mahery nagnambara tamin'ny feo mahare iaho, nijaka hoe: ''Ija no mendrike ny hanokatre ny horognan-taratasy ary hamoha ny tombo-kasen'ijany?''3Tsy misy olo avy laha hatan-dagnitra na eto an-tany na ambanin'ny tany ka afake hanokatre ny horognan-taratasy na hamaky ijany. 4Nitomagny mahare iaho- satria tsy nisy olo hita mendrika ny hanokatra ny horognan-taratasy na hamaky ijany. 5Kanefa raike tamin-dreo loholo nijaka tamin'ahy hoe: "Aja mitomagny. Itoy! ilay liognan'i fokon'i Joda, ilay taranak'i Davida, die nandresy. Afake ny hanokatre ny horognan-taratasy sy ireo tombo-kase fito ijy.6Nahita Janak'ondry mitsangagna eo agnelagnelan'ny seza fiandriagnana sy ireo raha manan'aigna efatre ary eo agnivon'ireo loholo iaho. Hôtran'ny hoe olo novonoina ijy.Nanagna tandroke fito sy maso fito ijy; areo ireo no fanahy fiton'Andriamanitra nalefa naneragna ny tany. 7Nandeha ijy ary nangala ilay horognan-taratasy tegny amin'ny tanan-kavanan'ilay raike ijay nidoboke teo amin'ny seja fiandrianagna.8Laha noresin'ilay Janak'ondry ilay horognan-taratasy, ireo raha manan'aigna efatra sy ireo loholo efatra amby roapolo die nampiankohoke ny tegnan-dreo teo an-katrehany. Samy nanagna lokanga sy lovia volamena feno emboke magnitre aby ny kiraidraike tamin-dreo, ijay vavak'ireo mpino.9Nihira hira vaovao areo:'' Mendrike ny handray an'ilay horognan-taratasy anao ary hanokatre ny tombo-kasen'ijany. Fa anao die novonoina, ary tamin'ny rànao no nivangana an'ireo olon'Andriamanitra avy tamin'ny foko, fijakana, olo, ary firenena abiaby. 10Nataonao fanjakana sy mpisorogna areo mba hanompo an'Andriamanitra, ary hanjaka eto an-tany.''11Avy eo iaho die nahita sy naharegne feon'anjely rahabe nagnodidigna ny seja fiandrianagna sy ireo zava-manan'aigna ary ireo loholo. Ny fitambaran-dreo die aman'aligna aligna. 12Nijaka tamin'ny feo mahare areo hoe: ''Mendrike anie ilay Janak'ondry ijay novonoina mba handray fahefana, harena, fahendrena, hery, laja, voninahitre, ary dera.''13Naharegne ireo raha vôforogna abiaby ijay tagny an-dagnitra sy teto an-tany ary an-dranomasina iaho- ny raha abiaby tao agnatin'ireo-nijaka hoe: "Ho an'ilay raike ijay midoboke eo amin'ny seja fiandrianagna sy ho an'ilay Janak'ondry, anie ny dera, ny laja, ny voninahitre, ary ny fahefana handidy, mandrakijay doria.'' 14Ireo zava-manan'aigna efatre, nijaka hoe: ''Amena!'' Ary ireo loholo niankohoke sy nivavake. [Fagnamarihana: Ny sarany amin'ireo dikan-teny taloha die mivaky hoe: ''Ireo loholo roa amby efapolo die niankohoke sy nanompo an'ilay raike ijay velogna mandrakijay doria.'']
Chapter 6
1Laha efa nanokatre ny raike tamin'ny tombo-kase fito ny Janak'ondry die nijaha aho, ary naharrgne ny raike tamin'ny java-mananan'aigna efatre tamin'ny feo hôtra ny kotroka iaho nijaka hoe: "Malaky! 2Nijaha iaho ary nisy sôvaly fotsy teo. Ny ny mideba ijany die nitajogna tsìka, ary namena satro-boninahitra ijy. Nivôka hôtran'ny mpandresy ijy mba handresy.3Laha efa nanokatre ny tombo-kase faharoa ny Janak'ondry, die naharegne ny java-manan'aigna faharoa iaho nijaka hoe: "Malaky!"4 Die nisy sôvaly hafa nivôka-mirehitra mena. Ny mpideba ijany no namena alalagna hangala ny fiedagnana amin'ny tany, mba hifamono ny olone. Io mpideba io die namena sabatra lehibe.5Laha efa nanokatre ny tombo-kase fahatelo ny Janak'ondry, die naharegne ny java-manan'aigna fahatelo iaho nijaka hoe:"Malaky!" Nahita sôvaly menty iaho, ary ny mpideba ijany die nitàgna mijàna tegny an-tagnany.6 Naharegne hôtrany feo tamin'ny java-manan'aigna efatra iaho nijaka hoe: "Ny vary eran'ny fatram-bary ho an'ny denaria raike, ary ny hordea in-telon'ny fatram-bary ho an'ny denaria raike. Fa aja manimba ny menaka sy ny divay."7Laha efa nanokatra ny tombo-kase fahaefatra ny Janak'ondry, die naharegne ny feon'ny java-manan'aigna fahefatra iaho nijaka hoe: "Malaky!8 Die nahita sôvaly hatsatre iaho. Ny mpideba ijany die angehina hoe Fahafatesana, ary ny Fasagna die nagnaraka anajy. Namena fahefana amin'ny ampaha-efatry ny tany areo, mba hamono amin'ny sabatra, mosary sy aretigna, ary amin'ny bibidian'ny tany.9Laha efa nanokatra ny tombo-kase fahadimy ny Janak'ondry, die hitako tao ambany alitara ny fagnahin'ireo ijany novonoina noho ny tenin'Andriamanitra sy ny fijoroana vavolombelogna ijay notànan'dreo.10 Nikoaike tamin'ny feo mahare areo hoe: "Mandra-pahoviena, ry marina, no hitsaranao ireo ijay miaigna eto an-tany, sy hamalenao faty ny rànay?11 Die namena akanjolava ny tsiraidraike tamin'dreo, ary nijakaina areo fa tokony hiandry kelikely mandra-pajahôna ny isa fenon'ny mpiara-manompon'dreo sy ny rahalahy sy anabavin'dreo ijay tokony hivinina areo, hôtran'ny namonôna an'dreo.12Laha efa nanokatra ny tombo-kase faha enina ny Janak'ondry, die nijaha iaho ary nisy horohoron-tany lehibe. Lasa menty hôtrany lamba fisaognana ny masoandro, ary ny volagna fenomanagna die lasa hôtrany rà. 13Ny kitagna tegny amin'ny lagnitra die latsaka tety an-tany, hôtrany aviavy magnitsagna ny vôny manta laha efa ahetsiky ny rivotra mahere. 14Ny lagnitra die nanjavogna hôtran'ny horonan-taratasy ijay nahorongorogna. Ny tendrombohitra sy ny nosy manontolo die nalaina tamin'ny toerane.15Avy teo ny mpanjakan'ny tany sy ny olo manan-danja, sy ny jeneraly, ny mpanan-karena, ny mahery, ary ny hafa aby daholo, andevo sy afaka, nisitrika tao agnatin'ny lava-bato sy tamin'ny vatolampin'ny tendrombohitra.16 Nijaka tamin'ny tendrombohitra sy tamin'ny vatolampy areo: "Milavoa aminay! Asitriho amin'ny tavan'ny ijay mipetraka eo amin'ny seja fiandrianana sy amin'ny fahavigniran'ny Janak'ondry ahay. 17Fa Tonga ny andro lehiben'ny fahavigniran'dreo. Ija no hahavita hiaritre?"Chapter 7
1Tafaran'ijany die nahita anjely efatre nitsangagna teo amin'ny joro tany efatre iaho, nanohitra mafy ny rivotra efatry ny tane, mba tsy hisy rivotra hitsoka amin'ny tany, amin'ny ranomasina, na hifanohitre amin'ny hajo rehetre.2 Nahita anjely hafa iaho niakatre avy tagny antsignanana, ijay nanagna ny tombo-kasen'Andriamanitra velogna. Nihieka tamin'ny feo mahare tamin'ny anjely efatra ijay nahajo alalagna hanimba ny tany sy ny ranopasina ijy hoe:3 "Aja simbaina ny tany, ny ranomasina, na ny hajo mandra-pagnisiantsena ny tombo-kase eo amin'ny handrin'ireo mpanompon'Andriamanitsena."4Naharegny ny isan'ny ijay vôtombo-kase iaho: 144,000, no vôtombo-kase avy tamin'ny fokon'ny olon'israely rehetre: 5Roa arivo sy iray aligna no vôtombo-kase avy tamin'ny fokon'i Joda, roa arivo sy iray aligna avy tamin'ny fokon'i Robena, roa arivo sy iray aligna avy tamin'ny fokon'i Gada, 6roa arivo sy iray aligna avy tamin'ny fokon'i Asera, roa arivo sy iray aligna avy tamin'ny fokon'i Manase.7Roa arivo sy iray aligna avy tamin'ny fokon'i Simeona, roa arivo sy iray aligna avy tamin'ny fokon'i Levy, roa arivo sy iray aligna avy tamin'ny fokon'i Isakara,8 roa arivo sy iray aligna avy tamin'ny fokon'i Zebolona, roa arivo sy iray aligna avy tamin'ny fokon'i Josefa, ary roa arivo sy iray aligna avy tamin'ny fokon'i Benjamina no vôtombo-kase.9Tafaran'ny javatre io die nijaha iaho, ary nisy olo maro be ijay tsy tambo isaina---avy tamin’ny firenena, foko, olo, ary fijaka rehetre---- nitsangagna teo alohan'ny seja fiandrianana sy teo alohan'ny Janak'ondry. Nagnano ankanjo lava fotsy sy mitagna sampan-drofia tegny amin'ny tagnan'dreo,10 ary nangaika mahare tamin'ny feo mahere areo nagnano hoe: "Ny famonjena die an'Andriamanitsena ijay mipetrake eo ambonin'ny seja fiandrianana, sy an'ny Janak'ondry!"11Ny anjely rehetre nitsangagna magnodidigna ny seja fiandrianana sy magnodidina ny loholona sy ny java-manan-aina efatra, ary areo die nampenkohoka ny tavan'dreo teo alohan'ny seja fiandrianana. Nivavaka tamin'Andriamanitra areo12 nagnano hoe: "Amena! Dera, voninahitra, fahendrena, fisôrana, fahefana, ary hery anie ho an'Andriamanitsena mandrakijay doria! Amen!"13Avy teo ny raike tamin'ny loholona nagnotany anahy hoe: "Ija ny, mitafy akanjolava fotsy, ary avy aja areo?" 14Hoy iaho taminaje: "Tompoko, Anao mahafantatre, " ary hoy ijy taminahe: Io no hivôka avy amin'ny Fahoriana Lehibe. Nisasan'dreo ny akanjolavane ary nifotsena tamin'ny ràn'ny Janak'ondry.15Noho ijany antony ijany, die eo alohan'ny seja fiandriananan'Andriamanitra areo, sy mivavaka aminaje andro aman'aligna ao amin'ny fengonane. Ny raike ijay nipetraka teo amin'ny seja fiandrianana die hamelatra ny laine amin'dreo. 16Tsy ho mosaregna koa areo, na hangetaheta koa. Tsy hamely anajy ny masoandro, na ny hafanana mandoro. 17Fa ny Janak'ondry eo agnivon'ny seja fiandrianana no ho mpiandry an'dreo sy hitari-dalana an'dreo agny amin'ny loharanon'ny rano velogna, ary hifafan'Andriamanitra ny ranomaso rehetre amin'ny mason'dreo."Chapter 8
1Laha efa notatahan'ny Janak'ondry ny tombo-kase fahafito, die fahanginana tagny an-dagnitra teo amin'ny asasak'adiny teo.2 Avy teo die hitako ny anjely fito ijay nitsangagna teo alohan'Andriamanitra, ary namena trompetra fito areo.3Nisy anjely hafa tonga, nitajogna lovia volamena fandorôna dintin-kajo matnitra, nitsangagna teo ambonin'ny alitara. Ditin-kajo magnitra maro no namena anajy mba hanolorane ijany miaraka amin'ny vavakin'ny mpino manontolo eo ambonin'ny alitara volamena fandorôna ditin-kajo magnitra eo alohan'ny sejam-boninahitra.4 Ny setrokin'ny ditin-kajo magnitra, miaraka amin'ny vavakin'ny mpino, die niakatra teo alohan'Andriamanitra avy amin'ny tagnan'ny anjely.5 Nangala ny lovia fandorôna ditin-kajo magnitra ny anjely ary nameno ijany tamin'ny afo avy teo amin'ny alitara. Avy teo natsipiny tamin'ny tany ijany, ary nisy kotro-baratre, kotroka, tselatra, ary horohon-tany.6Ny anjely fito ijay nanagna ny trompetra fito die niomagna hitsoka ijany.7 Nitsoka ny trompetrane ny anjely vôlohane, ary nisy havandra sy afo mifangaro rà. Natsipy tety an-tany ijany mba ho may ny ampahatelon'ijany, may ny ampahatelon'ny hajo, ary may aby ny ahi-metso. (Fagnamarihana: Ny saragny amin'ny dikan-teny taloha die mangala ny hoe: "mba ho may ny ampahatelon'ijany.")8Nitsoka ny trompetrane ny anjely faharoa, ary nisy raha hôtrany tendrombohitra angejabe nirehitr'afo natsipy tagny an-dranomasina. Lasa rà ny ampahatelon'ny javamanan'aigna tao an-dranomasina, 9maty ny ampahatelon'ny java-mana'aigna tao an-dranomasina, ary rava ny ampahatelon'ny sambo.10Nitsoka ny trompetra ny anjely fahatelo, ary nisy kintagna lehibe nilatsaka avy agny an-dagnitra, mirehitra hôtran'ny fanilo, tamin'ny ampahatelon'ny ony sy loharano.11 Java-mangidy no agnaran'ny kitagna. Lasa nangidy ny ampahatelon'ny rano, ary olo be no maty tamin'ny rano ijay lasa nangidy.12Nitsoka ny trompetrany ny anjely faha-efatra, ary niova ny ampahatelon'ny masoandro, hôtrany ampahatelon'ny volagna sy ny ampahatelon'ny kintagna. Noho ijany die lasa menty ny ampahatelone; tsy nisy hajavana ny ampahatelon'ny andro sy ny ampahatelon'ny aligna.13Nijaha iaho, ary naharegny voro-mahary ijay nagnembogna tegny agnivon'ny lagnitra, nangaike tamin'ny feo mahare hoe: '"Loja, Loja, ho an'ireo ijay monigna egny amin'ny tany, nohon'ny feona trompetra sisa ijay efa tsofin'ny anjely telo."Chapter 9
1Nampagneno ny trompetrany ny anjely faha dimy. Nahita kintagna avy lahatagny a dagnitra aho ijay lavo tegny amin'ny tany. Die igny kintagna igne no namena ny fagnalahidin'ny lavaka tsy hita fitaperana.2 Nivohany ny lavaka tsy hita fitaperana,ary niakatra ny setroka nivôka avy tao amin'ny lavaka hôtran'ny setroka mivôka avy amin'ny lafôro lehibe. Niova ho maloka ny masoandro sy ny rivotra nohon'ny setroka nivôka tao an-davake.3Avy amin'ny setroka no nieven'ireo valala teto ambon'ny tany, ary namena hery hôtran'ny hala teto ambon'ny tany ijy ireo. 4Nijakaina ijy ireo ba tsy hanimba ny ahitra teto ambon'ny tany na ireo java-maniry metso na hajo, fa ireo olo ijay tsy managna tombokasen'Andriamanitra irery mandy no ajon'ijy ireo ampijalena.5Tsy nahajo alalagna ny hamono ireo olo ireo ijy ireo, fa hampijaly anajy ireo mandritra ny dimy volagna mandy. Ny fahararen'ijy ireo die hôtran'ny kekitra hala laha efa mamele olo. 6Amin'io andro io die handremby fahafatesana ny olo, fa tsy hahita an'ijany. Hagniry ny ho maty mafy die mafy ijy ireo, nefa hilefa anajy ireo ny fahafatesana.7Hôtran'ny sôvaly nomagnina tamin'ny ady ireo Apanga. Tamin'ny lohan'ijy ireo die nisy raha hôtran'ny satro-bolamena, ary ny vatagn'ijy ireo die hôtran'ny vatagn'olombelogna. 8Nanagna volo hôtran'ny volom-biavy ijy ireo, ary ny nifin'ijy ireo die hôtran'ny nifin'ny Liogna. 9Nanagna ferovan-tratra hôtran'ny ferovan-tratra vy ijy ireo , ary ny feon'ny elatr'ijy ireo die hôtran'ny feon'ny kalesa sy sôvaly rahabe mihajakajaka ho agny amin'ny ady.10Nanagna rambo nisy fanindrognana hôtran'ny hala ijy ireo; ao amin'ny rambogn'ijy ireo no misy ny hery hanimba ny olo nandritry ny dimy volagna. 11Nanagna mpanjaka ijy ireo die le anjelin'ny lavaka tsy hita maso. Ny agnarany tamin'ny jaka Hebreo die Abadona, ary ny agnarany tamin'ny jaka Grika die i Apolyona. 12Lasa ny loja vôlohany. ka, afaran'ijao die bola hisy loja rolahiteo ho avy.13Nampagneno ny trompetrany le anjely faha enina, arynaharegny ny feo ni ôke avy tamin'ny tandroky ny alitara volamena ijay efa nisy teo agnatrehan'Andriamanitra aho. 14Ary nijaka tamin'ilay anjely fahe enina ny feo magnano hoe: ''Avotory ireo anjely efatra ijay mifehy agny amin'y renirano lehiben'ny Eofrata.'' 15Ireo anjely efatra ijay efa nomagnina tamin'ijany lera ijany, ijany andro ijany, ijany volagna ijany ary ijany taogna ijany, die navosotra ba hamono ny ampahatelon'ny olombelogna.16Ny isan'nymiaramila nideba sôvaly die 200,000,000. Naharegny an'ireo isa ireo aho. 17Hôtran'ny jany ny fomba nahitako ireo sôvaly tao amin'ny fahitako sy ireo je nideba teo amin'ijy ireo die mirehitra mena, manga antitra ary solifara mavo. Nitovy tamin'ny lohan'ireo liogna ny lohan'ireo sôvaly, ary ny nivôka avy tamin'ny vavan'ijy ireo die afo, setroka ary solifara.18Ary ny ampahatelon'ny olo die matin'ireo loja telo: ny afo, ny setroke ary ny solifara ijay nivôka avy tao ambavan'ijy ireo.19 Fa ny herin'ireo sôvale die avy tao amin'ny vavan'ijy ireo sy tamin'ny rambombogna andro, fa ny rambogn'ijy ireo die hôtran'ny biby lava ary nanagna loha afaka mamôratra olo ijy ireo.20Ny ambin'ireo olo, ireo jay sisa tsy matin'ireo loja, die tsy nibebaka tamin'asa ijay vitandreo, na nijanogna nanompo ireo sampy sy demony volamena, volafotsy, varahigna, vato, ary hajo, ireo raha jay tsy hita maso, regny, na mandeha. 21Ijy ireo die bola tsy nibebaka tamin'ny asa famonôna, ny famosaven'ijy ireo, ny fijangajangana ny ireo asa famosaven'ijy ireoChapter 10
1Aviteo aho die nahita anjely mahery hafa nidigna avy agny an-dagnitra. Tao agnaty rahogna ijy, ary nisy havagna teo ambon'ny lohany. y tarehiny die miendrika masoandro, ary ny hongony die tahaka ny andry afo. 2Mitagna horognan-taratasy bitike mivelatra amin'ny tagnany ijy, ary mametraka ny hongony havanana amin'ny ranomasina sy ny hongony havia amin'ny tany.3Aviteo ijy die nihieke tamin'ny feo maharé hôtran'ny fierognerognan'ny Liogna. Laha efa nihieka ijy die nikotroka maharé tamin'ny feony ny kotroka fito, 4 Laha efa nikotroka ny kotroka fito,die teo andalam-panoratana aho, fa naharegny feo avy lahatagny andagnitra aho nijaka hoe: ''Tano ho tsembaratelo ijao nijakain'ny kotroka fito ijao. Aja soratana ijany.''5Aviteo ny anjely hitako nijangagna teo ambony ranomasina sy teo amin'ny tany, nanandratra ny tagnany havanana tagny an-dagntre. 6Ijy nianinana tamin'ny Ray ijay velogna mandrakijay doria, Ijy namorogna ny lagnitra sy je rehetra ao amin'ijany, ary ny ranomasina sy je rehetra ao agnatin'ny ijane, ary ny anjely nijaka hoe: ''Tsy hisy fembenana koa. 7Fa amin'ny andro raike laha efa hampagneno ny trompetrany ny anjely fahafito, die ho tanteraka ny misiterin'Andriamanitra, hôtran'ny tamin'ny nagnambarany tamin'ny mpanompony.''8Die ny feo regniko avy lahatagny a dagnitra nijaka taminahy indraika koa hoe: ''Mandihana, alay ny horognan-taratasy mivelatra ijay egny antagnan'ny anjely mitsangagna eo ambon'ny ranomasina sy ambon'ny tany'' 9Aviteo die nenga tagny amin'ny anjely aho ary nijaka anajy ba hagnome anahy ny horogna-taratasy bitike. Hoy ijy taminahy: ''Reso ny horognan-taratasy ary hano. Hampafaika ny ao an-trokanao ijany, fa ao agnaty vavanao koja die ho mamy hôtran'ny tintely.''10Nalaiko tami'ny tagnan'ny anjely ny horognan-taratasy bitike ary nihoaniko ijane. Mamy hôtran'ny tintely tao ambavako ijane, fa tafaran'ny nihinanako anajy, die nanjary nangidy ny tao an-trokako. 11Aviteo nisy olo raike nijaka taminahy hoe: ''Tsy mentsy maminagny indraika anao makasika ireo olo rahabe, ireo firenena, ireo fijakana ary ireo mpanjaka.''Chapter 11
1Namena folontara ba hampesaina tahaka ny tehigna aho. Nijakaina taminahy hoe: ''Mitsangana ary metary ny tempolin'Andriamanitra sy ny alitara, ary ireo je nivavaka ao. 2Fa aja metarina ny kianja eo ambohon'ny Tempoly, fa namena an'ireo Jentilisa ijany. Handidia ny tanàna masigna nandritry ny roa ambin'ny efapolo volagna ijy ireo.3Hameko an'ireo vavolombelogna roa ny fahefana haminagny mandritry ny 1,260 andro, nisikigna lamba fisôgnana.'' 4Ireo vavolombelogna ireo die hojon'olova roa sy ny fitoeran-jiro roa ijay nitsangagna teo teo agnatrehan'ny Tompon'ny tany. 5Laha misy olo misafidy ny handratra anajy ireo, die nivôka afo ny vavan'ijy ireo ka hihinagna ireo fahavalon'ijy ireo. Na ija na ija magniry ny handratra anajy ireo die tsy mentsy hivonina amin'ijany fomba ijany.6Ireo vavolombelogna ireo die managna fahefana hagnidy ny lagnitra ba tsy hilatsahan'ny erika mandritry ny andro haminagnen'ijy ireo. Manam-pahefana ijy ireo hagnova ny rano ho rà sy hamely ny tany amin'ny karajagna loja manontolo na ovena na ovena irin'ijy ireo.7 Laha efa ho vita ny fijorôn'ijy ireo vavolombelogna, die miakatra avy agny agnaty lavaka tsy hita fitaperana ny bibidia hiady hanohitra anajy ireo. Handresy anajy ireo Ijy ary hamono anajy ireo.8Hiampatra egny amin'ny lalagnan'ny tanàn-dehibe ny fatin'ijy ijy ireo (ijay antsoina koa hoe Sodoma sy Egypta) ijay namantsihana ny Tompon'ijy ireo. 9Hijery fatin'ijy ireo mandritra ny telo andro sy tapagny ny olo, ny foko, fijakana, ary ny firenena manontolo. Tsy havelan'ijy ireo apetraka ao am-pasagna areo.10Ireo ijay miaigna ambon'ny tany die hifaly amin'ijy ireo ary hankalaja. Hifandefa fagnomejana mihitsy aja ijy ireo satria nampijaly ireo jay miaigna ambon'ny tany ireo mpaminagny roa ireo. 11Fa afaka telo andro sy tapagny die hiditra ao amin'dreo ny fofon'aigna avy amin'Andriamanitra, ary nijoro amin'ny tongony areo. Hilatsaka amin'ny ijay mahita ny tahotra lehibe. 12Aviteo die haharegny feo avy agny andagnitra ijy ireo mijaka anajy hoe: ''Mekara teo!'' Aviteo die hiakatra ho agny andagnitra ao agnaty rahogna ijy ireo, laha bola mijery tagny ireo fahavalon'ijy ireo.13Amin'ny ijany lera ijany die hisy horohoron-tany maharé, ary hirodagna ny ampahafolon'ny tanàna. Fito arivo ny olo ho maty amin'ny horohorontany, ary ho rekitahotra ireo olo sisa tsy maty ary hagnome voninahitra an'Andriamanitry ny lagnitra. 14Lasa ny loja faharoa. Ka, avy malaky ny loja fahatelo.15Aviteo die nampagneno ny trompetrany ny anjely fahafito, ary nisy feo maharé nijaka tagny andagnitra magnano hoe: ''Hanary fa jakan'ny Tompotsena sy ny Kristine ny fanjakan'ijao tontolo ijao. Ijy no hanjaka mandrakijay doria.''16Aviteo ireo loholona efatra ambin'ny rôpolo ijay nitoboka tamin'ny seja fiendriagnan'ijy ireo teo agnatrehan'Andriamanitra die nampekohoka ny tegnan'ijy ireo. Nankalaja an'Andriamanitra ijy ireo. 17Hoy areo: ''Magnome fisôrana ho anao ahay, ry Tompo, Andriamanitra Tsitoha, ilay ankehitriny sy taloha, satria nangala ny herinao lebibe anao ary nanomboka nanjaka. (Fagnamarihana: Ny saragny amin'ireo dika teny taloha die mivaky hoe: ny mpanapaka ny manontolo, ny ankehitriny sy taloha, ary ny ho avy, fa ny dika teny amin'ijao fotôgna ijao tsy hôtran'ny jany18Vignitra be ireo firenena, k'anefa avy ny fahavigniranao. Avy ireo fotôgna hitsarana ny maty sy hamalenao soa ireo mpaminagny mpanomponao, na ny tsy manan-danja na ny mahery. Avy ny fotôgna ijay handringananao ireo je manimba ny tany.''19Aviteo die nivoha ny tempolin'Andriamanitra tagny an-dagnitre ary hita ny fiaran'ny fagnekena tao agnatin'ny tempoliny. Nisy tsela-pahajavana, kotroka, kotrok'erika, horohoron-tany, havandra angeja tao.Chapter 12
1Famantarana lehibe no hita tagny an-dagnitre: viavy nitafy ny masoandro, ary ny volagna teo ambanin'ny tongony, ary satro-boninahitre vita tamin'ny kitagna roa ambin'ny folo no teo amin'ny lohany. 2Betroke ijy, ary nihiaka mahare fa efa ho teraka, ao anatin'ny fihetsehan-jaja.3Avy eo nisy famantarana hafa nibôke tagny an-dagnitre: Indro! nisy dragona mena angejabe ijay nanagna loha fito teo amin'ireo lohany. 4Ny rambony die nifaoke ny ampahatelon'ny kintagna tagny an-dagnitre sady nanipy an-dreo tegny amin'ny tany. Ilay dragona nitsangagna teo alohan'ilay viavy ijay efa ho terake, ka laha terake ijy, die afake handrapaka ny janany ijy.5Niterake jajalahy ijy, ijay hanapake ny firenena abiaby miarake amin'ny tehim-by. Ny janany die nalaina an-kerine ho agny amin'Andriamanitra sy ho eo amin'ny seja fiandriagnany, 6ary ilay viavy die nilefa nenga agny agn'efitre, ijay nisy toerana efa nomanin'Andriamanitra ho an'ajy, koa die ho vôkarakara mandritry ny 1260 andro ijy.7Ary nisy ady tagny an-dagnitre. Mikaela sy ireo anjeliny die niady tamin'ilay dragogna; ary ilay dragogna sy ny anjeliny die namaly ady. 8Fa tsy die natanjake ilay dragogna ka tsy naharese. Koa tsy nisy toerana ho an'ajy sy ireo anjeliny koa tagny an-dagnitre. 9Ilay dragogna lehibe - ijay menaragna ela nantsoina hoe devoly na Satana, ilay namitake an'ijao tontolo ijao-die natsipy tegny ambonin'ny tany, ary ireo anjeliny die natsipy niaraka tamin'ajy.10Avy eo naharegne feo mahare avy agny an-dagnitre Iaho:" Ankehitriny die tonga ny famonjena, ny hery, ny fanjakan'Andriamanintsena ary ny fahefan'i Kristy. Fa ny mpiampanga ny rahalahintsena die natsipy tagny ambany, ilay raike ijay miampanga an-dreo andro aman'aligna eo ankatrehan'Andriamanintsena.11Areo die naharese an'ajy tamin'ny ràn'ny Janak'ondry sy tamin'ny jaka fijoron-dreo vavolombelogna, fa tsy nankamamy ny fiainany koa areo na die ho faty aja. 12Noho ijany, mifalia, anareo ry lagnitre, sy ijay abiaby monigna ao amin'ajy. Fa mitandrema ny amin'ny tany sy ny ranomasina satria ny devoly die nijotso tegny aminareo. Feno havignirana ijy, satria fantany fa fotôgna fohy sisa no hanagnany.13Laha nahafantatre ilay dragona fa nadaboke tamin'ny tany ijy, die nagnejike ilay viavy niterake jajalelahy ijy. 14Fa ilay viavy die nomena elatre roan'ny voromahere lehibe, ka die afake nagnembogna nenga agny amin'ilay toerana nokarakaraina ho an'ajy tagny agn'efitre.Io ilay toerana hitsinjovana an'ajy, mandritry ny telo taogna sy tapany- mba tsy ho hitan'ilay menaragna.15Namôke rano hôtran'ny ranobe tamin'ny vavany ilay menaragna, ijay hifaoke an-draviavy. 16Fa ny tany nagnampy an-draviavy. Nosokafan'ny tany ny vavany ary die nateligny ny riake ijay navoakan'ny vavan'ilay dragona. 17Ary vignitre tamin-draviavy ilay dragogna ka niala ary nandrembe ady tamin'ny ambin'ireo taranagny, ijay mankàto ny didin'Andriamanitra ary mitagna ny fijoroana vavolombelogna momba an'i Jesôsy.18 Avy eo nitsangagna teo ambonin'ny fasiky ny ranomasigna ilay dragogna.Chapter 13
1Ary nahita bibi-dia iaho niakatre avy tamin'ny ranomasina. Nanagna tandroke folo ijany ary loha fito. Teo amin'ny tandrony die nisy diadema folo, ary teo amin'ny lohany die nisy agnarana fijakan-dratsy aby. 2Ilay bibi-dia ijay hitako die hôtran'ny leoparda. Ny tongony die hôtran'ny tongotra bera, ary ny vavany die hôtrin'ny vavan'ny liogna. Ilay dragogna nagnome an'ajy ny heriny, ny seja fiandrianagny, ary ny fahefany lehibe hanapaka.3Ny lohan'ny bibi-dia die raike hôtran'ny efa maty, kanefa sitragna ilay bay fery seky nahafaty an'ajy. Ary gaga ny tany abiaby ka nagnaraka ilay bibi-dia. 4Ary die niankohoka teo amin'ilay dragogna areo, satria ijy no nagnome ny fahefany ho an'ny bibi-dia. Niankohoke teo amin'ilay bibi.-dia, koa, areo, ary nijaka hoe: '' Ija no hôtrin'ny bibi-dia?'' ary '' Ija no afake miady amin'ajy?''5Nomena vava ijay afake mijaka fireharehana sy fijakan-dratsy ilay bibi-dia. Nomena alalana ijy mba hampihatra fahefana mandritran' ny efatra ambi-efapolo volana. 6Ary nanokatre ny vavany hijaka ratsy an'Andriamanitra ilay bibi-dia: nijaka ratsy ny agnarany, ny toerany ijay honegnany ary ireo ijay midoboke ao an -dagnitre.7Navela hiady tamin'ireo mpino ary handrese andreo ilay bibi-dia. Ary koa, ny fahefana die nomena an' ajy magnerana ny foko, ny olo, ny fijakana, ary ny firenena abiaby. 8Hiankohoke eo amin'ajy ireo abiaby ijay monigna ambonin'ny tany, ireo ijay vôsoratre agnarana, nandritran'ny famorognana ijao tontolo ijao, ao amin'ny Bokin'ny Fiagnana,ijay an'ny Zanak'ondry, ijay efa novonoina.9Laha misy manan-tsofigna, ôka ijy hiteno.10 Laha misy nalaina babo, die handeha amin'ny fahababoana ijy. Laha misy novonoina tamin'ny sabatre, amin'ny sabatre no hamonoana an'ajy. Ity no antso ho an'ny faharetana ary finoana ho an'ireo ijay masina11Ary nahita bibi-dia hafa iaho niakatre avy tamin'ny tany. Ijany die nanagna tandroke roe hôtrin'ny janak'ondry, ary nijaka hôtrin'ny dragogna. 12Nampihariny abikoa ny fahefana abiaby an'ilay bibi-dia vôlohany eo anatrehany, ary ny tany sy ireo ijay monigna eo amin'ajy die asainy miankohoke eo amin'ilay bibi-dia vôlohany- ilay iray ijay sitragna tamin'ny fery seky nahafaty an'ajy.13Nagnano fahajedagnana rahabe lehibe ijy. Nampijotso afo avy any an-dagnitra ho amin'ny tany teo alohan'ny olo. 14Tamin'ny alalan'ny famantarana die nomena alalagna hagnano ijany, namitake an'ireo ijay monigna ambonin'ny tany ijany. Nijaka tamin-dreo ijany mba hagnambotre sary ho voninahitry ny bibi-dia ijay voaferin'ny sabatre nefa velogna15Navela asiana aigna ny sarin'ny bibi-dia mba ahafahan'ilay sary mijaka ary ijay abiaby tsy magneky miankohoke amin'ilay bibi-dia die novonoina. 16Nanery ny kiraidraike mandy koa ijany, na ny bitike na ny lehibe, na ny manankarena na ny mahantra, na ny tsy andevo na ny andevo, die mandray marike eo amin'ny tagnana ankavanana na eo amin'ny handrigna. 17Tsy hisy olo mahajo mividy na mivarotre mandra-pahajony ny mariky ny bibi-dia, ijany die ny isan'ny fanehoana ny agnarany.18Ijany die mitaky fahendrena. Laha misy olo manan-tsaigna, ôka ijy hagnisa ny isan'ny bibi-dia. Fa ijany die isan'ny olo. ijany isa ijany die 666Chapter 14
1Nijery aho ary nahita ny Janak'ondry nitsangagna teo amin'ny tendrombohitry Ziona. Niaraka tamin'ireo 144.000 ijay nanagna ny agnarany sy ny agnaran'ny Rainy vôsoratra eo amin'ny handrign'ijy ireo.2 Naharegny feo avy agny andagnitra hôtran'ny fihorohoron'ny rano rahabe sy kotroka maharé aho. Ny feo regniko mandy koa die hôtran'ny mpitendry lokanga mitendry ny lokangany.3Nihira hira vôvao teo alohan'ny seja fiendriagnana sy teo alohan'ireo raha managnaigna efatra sy ireo loholona ijy ireo. Tsy nisy na ija na ija afaka nianatra ny hira afa tsy ireo 144.000 ijay nividina avy teto an-tany mandy. 4Ireo die olo ijay tsy nandoto ny tegnan'ijy ireo tam-biavy, fa nitagna ny tegnany madio tamin'ny nofo ijy ireo. Ijany die ijay nagnaraka ny janak'ondry na aja na aja nandihanany. Ijy ireo die efa nividina avy tamin'ny olombelogna hôtran'ny vôloham-bokatra hôn'Andriamanitra sy hôn'ny janak'ondry. 5Tsy nisy vandy hita teo amin'ny molotr'ijy ireo, tsy manan-tsigny ijy ireo.6Nahita anjely hafa nagnembogna ambony aho, ijay nanagna ny hafatra mandrakijain'ny vôvao mahafaly hilajaina amin'ireo ijay miaigna ambon'ny tany, amin'ny firenena, foko, fijakana, ary ny olo manontolo. 7Nangaika tamin'ny feo maharé ijy hoe: ''Matahora an'Andriamanitra ary magnomejà voninahitra Anajy. Fa avy ny leran'ny fitsarany. Mivavaha Aminajy, ny iray ijay nagnano ny lagnitra, ny tany, ny ranoasina, ary ny loharano.''8Nisy anjely hafa, ny anjely faharoa, nagnaraka nijaka hoe: ''Lavo, lavo Babylôna lehibe, ijay nandresy lahatra ny firenena manontolo ba hinogna ny divain'ny fito-drategna malotony.''9Nisy anjely hafa, anjely faha telo, nagnaraka anajy ireo, nijaka tamin'ny feo maharé hoe: ''Laha misy mivavaka amin'ny bibidia sy ny sariny, ary mandray ny marika eo amin'ny handrigny sy ny tagnany, 10die hinogna ny sasagny amin'ny divain'ny fahavigniran'Andriamanitra mandy koa ijy, divay tsy niharo ijay narotsaka tao agnaty kapôkan'ny fahavignirany. Ny olo je minogna anijany die hampijalena amin'ny afo sy solifara eo alohan'ireo anjely masin'Andriamanitra sy eo alohan'ny Janak'ondry.11Ny setroka avy amin'ny fijalen'iny ireo die hiakatra mandrakijay doria, ary tsy manam-pijanognana andro sy aligna ijy ireo, ireo mpanompon'ny bibidia sy ny sariny, ary ny olo manontolo ijay mandray ny mariky ny agnarany. 12Itoy die haike hôn'ny faharetana maharitr'ireo je masigna, ireo je mankatò ny didin'Andriamanitra ary mino an'i Jesosy.''13Naharegny feo avy agny andagnitra aho nijaka hoe: Soraty ijao: Tratrika ny maty, ijay maty ao amin'ny Tompo.'' ''Eka, hoy ny fagnahy,'' ba hahafahan'ijy ireo hiala vijaka amin'ny asan'ijy ireo, fa ny vitan'ijy ijy ireo die hagnaraka andreo.''14Nijaha aho, ary nisy rahogna fotsy. Nipetraka teo amin'ny rahogna ny raike hôtran'ny Janak'olo. Nanagna satro-boninahitra volamena teo amin'ny lohany sy fambilejana marangitra egny antagnany ijy.15 Die nisy anjely hafa nivôka ny tempoly ary nangaika tamin'ny feo maharé an'le nipetraka teo amin'ny rahogna nagnano hoe: ''Reso ny fambilejana ka manomboha mambely. Fa avy ny fotôgna hambilejana, satria masaka ny vokatry ny tany.'' 16Ary ny raike jay nipetraka teo amin'ny rahogna nampandroso ny fambilejany teto an-tany, ka nambilejina ny tany.17Nisy anjely hafa nivôka tao an-tempoly tagny andagnitra; nanagna fambilejana marangitra hiany koa ijy. 18Bola nisy anjely hafa mandy koa nivôka avy tao amin'ny alitara fagnorôna ditin-kajo magnitra, ijay nanagna fahefana amin'ny afo. Nangaika tami'ny feo maharé an'ireo je nanagna fambilejana marangitra ijy Joe: ''Reso ny fambilejana marangitra anareo ary avorovoroy ireo rantsagna vôloboka avy amin'ny vôloboky ny tany, fa ireo vôloboka die efa masaka ijao.''19Nampandroso ny fambilejany tamin'ny tany ny anjely ary namory ny vokatra ny vôloboky ny tany. Natsipiny tao agnatin'ny famiajam-bôloboka lehiben'ny fahavigniran'Andriamanitra ijany. 20Ny famiajam-bôloboka die nididiana tagny ambohon'ny tanàna, ary ny rà die nilatsaka avy ao ami'nijany ka avy ao amin'ijany ka tonga hatregny amin'ny haambon'ny lamboridin-tsôvaly, ijay 1.600 stadio.Chapter 15
1Avy teo die nahita famantarana hafa tegny amin'ny lagnitra iaho, lehibe sy mahajendagna: Nisy anjely fito miaraka amin'ny loja, ijay loja farany indrindra, fa amin'dreo no hahatanteraka ny havigniran'Andriamanitra.2Nahita ijay niseho tamin'ny ranomasina fitaratra namperahina tamin'ny afo iaho. Nitsangagna teo akekin'ny ranomasina ireo ijay nandresy an'ilay bibidia sy ny sarine, sy ny isa maneho ny agnarane. Areo die nitajogna harpa nomen'Andriamanitra an'dreo.3Areo nihira ny hiran'i Mosesy, ilay mpanompon'Andriamanitra, ny hiran'ny Janak'ondry hoe: "Lehibe sy mahajendagna ny asanao, Tompo Andriamanitra, ilay Avo indrindra. Marina sy mahitsy ny lalagnao, ry Mpanjakan'ny firenena. 4Ija no tsy hahatahotra Anao, ry Tompo, sy hagnome voninahitra ny anaranao? Fa Anao rery no masina. Ny firenena rehetra ho avy sy hivavake eo agnatrehanao satria ny asanao marina die efa nambara."5Tafaran'io javatra io iaho die nijaha, ary nisokatra tegny amin'ny lagnitra ny fengonana ijay managna lain'ny fijoroana vavolombelogna.6 Nivôka avy tao amin'ilay toerana masina indrindra ireo anjely fito mitajogna ny loja fito. Areo die mekanjo madio, lamba rongony mamiratre sy misy fehin-kibo volamena magnodidigna ny tratran'dreo.7Raike tamin'io java-manan'aigna efatra magnome an'io anjely fito lovia volamena fito feno ny fahavigniran'Andriamanitre, ny velogna mandrakijay doria. 8Feno setroka avy amin'ny voninahitr'Andriamanitra sy avy amin'ny heriny ny fengonana.Tsy misy na ija na ija afaka miditra ao mandra-pahatanteraky ny loja fiton'ny anjely fito.Chapter 16
1Naharegny feo mahare nagnatso laha tao an-tempoly iaho die nijaka tamin'ny anjely fito hoe: ''Mandihana die araraho amin'ny tant ireo lovia fito feno ny havigniran'Andriamanitre.''2Lasa ny anjely vôlohany die nandrarake ny tao an-doviany tamin'ny tany; ratra ratsy sy maharary no tonga tamin'olo ijay lanagna ny mariky ny bibi-dia, ijay nankalaza ny sariny.3Ny anjely faharoa nandrarake ny tao an-doviany tamin'ny ranomasin. Lasa rà ijany, hôtra ny ràn'olo maty, die maty ny raha-mana'aina aby tao an-dranomasina.4Ny anjely fahatelo nandrarake ny tao an-doviany tamin'ny ont sy loharano, die lasa rà Areo. 5Regniko ny anjelin'ny rano manao hoe: ''Marina Anao _ ny ankehitriny sy taloha, ny raike Masina_satria efa nitsara ny raha reo Anao.(Fagnamarihana: Ny antontan-taratasy saragny taloha die mamaky hoe: ''Marina Anao, Tompo_ny ankehitriny sy taloha ary ho avy, satria efa nitsara ny raha reo Anao.'') 6Satria ny ràn'ny mpino sy mpaminany no nalatsakan'dreo, die nomenao rà ho nomina an-dreo; ijany no mendrika an-dreo.'' 7Regniko ny alitara namaly hoe: ''Ieka, Tompo Andriamanitra lehibe, ny fitsaranao die marina sy mahitsy.''8Ny anjely fahefatre nandrarake ny tao an-doviany tamin'ny masoandro, die nahazo alalana handoro ny olo amin'ny afo ijany. 9Main'ny hafanana be an-dreo, die nijaka ratsy ny anara'Andriamaintra, ijay manana ny fahefana amin'reo loza ireo. Tsy nibebake an-dreo na'nagnome voninahitre Anajy.10Avy eo ny anjely fahadimy nandrarake ny tao an-doviany tamin'ny seza fiandrianan'ny bibi-dia, die nandrakotre ny fanjakany ny hezigna. Nitsako ny lelany an-dreo nohon'ny fahoriana. 11Nijaka ratsy ny Andriamanitry ny lagnitre an-dreo nohon'ny fahoriana sy ratran'dreo, die mbola nandà ny hibebake amin'ijay vitan'dreo mandy an-dreo12Ny anjely faha-enina nandrarake ny tao an-doviany tamin'ny ony angeza, ny Eofrata.Noritina ijany mba hagnomagnana ny lalana ho an'ny mpanjaka ijay ho tonga avy any antsinana. 13Nahita fanahy maloto telo iaho ijay niendrika babaka mivôka avy agny am-bavan'ny dragona , avy agny am-bavan'ny biby-dia, die avy amin'ny vavan'ny mpaminany sandoka. 14Fa fanahin'ny devoly manao famantarana mahajendagna an'dreo. Nankany amin'ireo mpanjakan'ijao tontolo ijao an-dreo mba hanangona an-dreo ho an'ny adin'ny andro lehiben'Andriamanitra Avo indrindra15(''Indro! Avy hôtra ny mpangalatre Iaho! Sambatre ijay miambigna, miarony fitafeny mba tsy hivôke mitanjaka ijy die hitan'dreo hegnatrany.'') 16Nindaon-dreo niarake tagny amin'ny toerana antsoina hoe Hara-magedona amin'ny Hebreo an-dreo.17Avy eo ny anjely fahafito nandraraka ny tao an-doviany tamin'ny rivotre. Die nisy feo mahare novôke laha tao an-tempoly sy laha tamin'ny seza fiandrianana Magnano hoe: '''Vita ijany!'' 18Nisy tselatre, kotroke, kotro-baratre, die horohoron-tany mahare _ horohoron-tany angeza noho ijay efa nitranga hatramin'ijay nisian'olo teto an-tany, ka die mafy ijany horohoron-tany ijany. 19Vaky ho fizarana telo ny tanàna angeza, die rava ny tanànan'ireo firenana. Avy eo Andriamanitre nagnatso mba hahatsiaro an'i Babylona angeza, die nomene ijany tanàna ijany ny kapôke feno divay vita laha tamin'ny firehetan'ny favignirany.20Nanjavogna ny nosy aby die tsy hita koa ny tendrombohitre. 21Nisy havandra angeza, milanja eo amin'ny talenta raike eo, nidigna laha tagny an-dagnitre ho amin'ny olo. Nagnojogna an'Andriamanitre an-dreo nohon'ny loza laha tamin'ny havandra satria tena mafy lôtre ijany loza ijany.Chapter 17
1Ny raika tamin'ireo anjely fito ijay nitagna ireo lovia volamena fitonagnantogna sy nijaka taminahy hoe: ''Malaky, hatoroko anao ny sajin'ny mpijangajanga lehibe ijay mipetraka ambony rano rahabe. 2Niaraka taminaje no nampijangajanga an'ireo mpanjakan'ny tany. Ny divain'ny fijangajangany no nahamamo ireo mponignan'ny tany.''3Aviteo ny anjely nitondra anahy tamin'ny fagnahy tagny amin' ny tany maigna, ary nahita viavy nitoboka teo ambony bibidia mena ijay feno agnarana jaka ratsy aho. Ny bibidia die managna loha fito sy tandroka folo. 4Ary ny viavy teo die nekanjo voloparasy sy mena ary nivakagna volamena, vato sarobidy, ary vatosoa. Ijy die nitagna tamin'ny tagnany kapôka volamena feno ireo raha mampadikidiky sy ireo tsy fahadiovan'ny fijangajangany. 5Teo amin'ny handrigny no nisy agnarana managna dikany miafigna vôsoratra hoe: ''Babilona lehibe, die ny iendrin'ny mpijangajanga sy ny raha mampadikidikin'ny tany.''6Nahita aho fa le viavy die mamon'ny ràn'ny mpino sy ny ràn'ireo martiry hôn'i Jesosy. Laha efa nahita anajy aho die tena nalahelo. 7Fa ny anjely nijaka taminahy hoe: Magnino no malahelo anao? Hajavaiko aminao ny dikan'ny viavy sy ny bibidia ijay mitondra anajy, ny bibidy jay managna loha fito sy tandroka folo.8Ny bibidy je hitanao die misy fa tsy misy ankehitriny, fa andala-pekarana avy agny amin'ny farany amban'ny lavaka tsy hita fitaperany. Aviteo die ho agny amin'ny fahasimbana ijany. Ireo je miaigna ambon'ny tany, ireo je tsy vôsoratra ao amin'ny boky ny fiegnana hatramin'ny ranomasina an'ijao tontolo ijao ny agnarany, ho gaga ijy ireo raha efa hahita fa ny bibidia die misy, fa tsy misy intsony ankehitriny, fa andalam-pihavena.9Mangaika saigna je manampahendrena ijany. Ireo loha fito die vohitra fito ijay hipitrahan'ny viavy. 10Ijy ireo hiany koa die mpanjaka fito. Mpanjaka dimy no lavo, raika no misy, ary ny hafa die bola tsy avy; laha efa avy ijy, die fepotôgna kely mandy no hitoerana.11Ny bibidy je misy, fa tsy misy ankehitriny, mpajanka faha valo ijy, ary ho agny amin'ny fahasimbana.12Ireo tandroka folo jay hitanao die mpanjaka folo ijay bola tsy nandray fanjakana, fa hahajo fahefana tahakan'ny mpanjaka miaraka amin'le bibidia mandritry ny adiny raike ijy ireo. 13Firesan-saigna ijany, ary ijy ireo die hagnome hery sy ny fahefan'ijy ireo an'le bibidy. 14Hanangagna ady hanohitra ny janak'ondry ijy ireo. Fa ny janak'ondry no mandresy anajy ireo satria Ijy no Tompon'ny ny tompo, ary mpanjakan'ny mpanjaka ary miaraka amin'ireo vôantso, ireo vôfidy, ary ireo manam-pinôna.''15Hoy ny anjely taminahy: ''Ireo rano je hitanao, teo amin'le nipetrahan'ile mpijangajanga, no olo, vondron'olo, firenena ary fijakana16Ireo tandroka folo jay hitanao, ijy ireo sy le bibidia die hankahala ireo mpijangajanga. Hataondreo ho etsaka sy milongalonga ijy, handrota ny nofony ijy ireo, ary hagnoro anajy tanterake agnaty afo. 17Fa Andriamanitra die efa nagnabela ijany tao agnatin'ijy ireo ba nagnatanteraka ny fikasany amin'ny fagneken'ijy ireo hagnome ny herin'ijy ireo hagnome ny herin'ijy ireo hito drana ilay bibidia mandrapahatanteraky ny jakan'Andriamanitra.18Ary raviavy, le hitanao no tanàna lehibe ijay manjaka amin'ny mpanjakan'ny tany.''Chapter 18
1Tafaran'ny raha io die nahita anjely hafa jay nijotso laha tagny an-dagnitre iaho. Nanagna fahefana lehibe ijy, die namirapiratre nohon'ny voninahiny ny tany. 2Nikoke tamin'ny feo mahare ijy,nijaka hoe: ''Lavo, lovo ny Babylona angezabe! Lasa tonga toeram-ponenan'ny demony,fialofana ho an'ny fanahy'maloto, die felofana ho an'ny reo vorogna maloto sy marikoriko aby. 3Fa ny firenena aby die ninogna ny dovain'ny fitondran-tegna malotony.Ireo mpivarotra ny tany die tonga mpanan-karena tamin'alalan'ny fomba fiainany amin'ny nofo.''4Avy teo die naharegny feo hafa laha tagny an-dagnitre iaho, mijaka hoe: ''Mialà aminy, ry oloko, mba tsy hijarany ny fahotany ao aminareo, die mba tsy hahajahoanareo ny lojany. 5Efa nivory hôtra ny hahambon'ny lagnitre ny fahotany, die Andriamanitre mahatsiarony asa ratsiny. 6Mamalia anajy hôtranny namalian'ny hafa, die valio avy roa heny ijay efa vitany;tao amin'ny kapôke ijay efa nofenoiny, die fenoy avy roa heny ho anajy.7Hôtra anajy nagnome voninahitre ny tegnany sy niaigna tamin'ny tsy fiafiana, omeo anajy ny fampijaliana sy ny alahelo antognina anajy. Fa ijy nijaka tao am-pony nagnano hoe: 'Nipetrake hôtra ny mpanjaka vavy iaho. Tsy maty vady iaho, die tsy hisaogna mandrakijay.' 8Noho ijany die ho tonga amin'ny andro raike ny aretigna mandripakany: ny fahafatesana, ny fisaonana, die ny mosary. Horoan'ny afo ijy, fa ny Tompo Andriamanitra die mahery, die ijy no mpitsara anajy.''9Ny mpanjakan'ny tany jay nijangajanga sy nandeha tsy am-pieritreretana niarake taminajy die hitagny die henkohoke eo agnatrehany rehefa hahita ny setroky ny fahamaizany ijy reo. 10Hijoro lavitre areo, hangoaigna ny fijaliany, hijaka hoe: ''Loza, loza ho an'ny tanàna be ,Babylona, ny tanàna mahery, fa amin'ny lera raike die ho tonga ny sazinareo.''11Ny mpivarotre ny tany die mitagny sy misaona ho anajy, satria tsy nisy olo niady varotre ho anajy koa-12 varotre volamena, volafotsy, vato sarobidy, firavaka, lamban-drongony tena tsara, volomparasy, landy, mena, ny karazana hazo ala, ny fanake ivoara, ny fanake manontolo vita laha tamin'ny hazo sarobidy, varahigna, vy, marbra, 13kanelina, raha-magnitre, ditin-kazo, miora, hagnitre, divay, menake, koba tsara toto, vary, biby fiompy die ondry, sôvaly sy kalesa, ireo andevo sy fanahin'olo.14Ny vokatre ijay tinao tamin'ny herinao manontolo die hiala aminao. ny entanao lafo vidy sy ny namirapiratre die nanjavogna, die tsy ho hita koa mandrakizay.15Ny mpivarotre ny entana jay tonga mpanan-karena noho ijy die hiala aminy lavitre nohon'ny fahangoaignana ny fijaliany, hitomany sy hisaona mafy. 16Hijaka areo hoe: ''Loza, loza ho an'ny tanàna angezabe ijay nikanjo tamin'ny lamban-drongony tena tsara, volomparasy, sy mena, ary noravahana tamin'ny volamena, firavaka sarobidy, ary vatosoa! 17Agnatin'ny lera raile die ho fôgna ijany harena manontolo ijany. ''Ny kapitenin-tsambo manontolo, ny mandeha egny ambonin'ny ranomasina manontolo, tantsambo, sy ijay abiaby monina an-dranomasina, die hijoro alavitre.18Nikoke areo raha vô nahita an'ny setrokin'ny fahamaizany. Nijaka areo hoe: ''Tanàna ino no hôtra ny tanàna angezabe?'' 19Nanipy vovoke teny an'dohany ijy, die nikoke mahare, nitagny, sy nisaona, nanao hoe: ''Loza, loza ho an'ny tanàna angezabe ijay nisy an'reo abiaby nanagna ny sambo an-dranomasina no tonga mpanan-karena laha tamin'ny harenany. Fa tao anaty lera raike die simba ijany.'' 20''Mifalia aminy, ry lagnitre, anareo mpino, apostoly, die mpaminany, fa Andriamanitra nitondra ny fitsaranareo taminajy!''21Anjely mahery raike nangala vato hôtra ny vato angezabe die nanipy ijany tagny an-dranomasina, die nijaka hoe: ''amin'ijany fomba ijany, Babylona, ny tanàna angezaba, harodagna arahina herisetra, die tsy ho hita koa. 22Ny feo nataon'reo lokanga, mpitendry mozika, mpitsoka sodina, sy trompetra die tsy ho regny ao aminao koa. Ny mpagnano asa-tanana iasan-karazany die tsy hita ao aminao koa. Tsy hisy feon'ny vato fikosoham-bary ho regny koa eo aminao.23Ny fahazavan'ny jiro, die tsy hamirapiratra ao aminao koa. Ny feon'ny mpampiakatre sy ny ampekarina die tsy ho regny ao aminao koa, fa ny mpivarotrareo no andrian'ny tany, die ny firenena die vôfitake tamin'ny fagnosavianareo. 24Tao aminajy no nahitana ny ràn'ny mpaminany, sy ny mpino, die ny ràn'ny abiaby ijay vôvono teto an-tany.''
Chapter 19
1Tafaran'ny raha reo die naharegny ijay hôtra ny feo mafin'ny vahôke rahabe isa tagny an-danitre iaho nandao hoe: ''Aleloia. Ny famonjena, ny voninahitra, die ny hery die an'Andriamanitre. 2Ireo fitsarane die marina sy mahitsy, fa nitsara ny mpivaro-tegna lehibe ijay nagnaratsy ny tany tamin'ny fijangajangane ijy. Namaly faty ny ràn'ireo mpanompony, ijay nalatsagne ijy.''3Nijaka fagnindroane ijy ireo hoe: ''Aleloia! Ny setroke die miakatre avy aminajy mandrakizay doria.'' 4Ireo loholona efatre amby roapolo sy raha-manan'aigna efatre die nenkohoke die nanompo an'Andriamanitre ijay nitoboke teo amin'ny seza fiandrianana. Hoy ijy ireo: ''Amena. Aleloia!''5Die nisy feo nivôke avy tao amin'ny seza fiandrianana, nagnano hoe: ''Derao Andriamanitra tena, anareo aby mpanompony, anareo ijay mangoaigna Anajy, na ny tsy manan-danja na ny mahery.''Die naharegny ijay hôtra ny feon'olo rahabe, hôtra ny firohondrohon'ny rano rahabe, s'y hôtra ny filavoan'ny kotroke mahare iaho, nagnano hoe: ''Aleloia! Fa manjaka ny Tompo, Andriamanitre ijay manapake amin'ny abiaby.7Ôka antsena hifaly sy ho kevoke die hognome voninahitre Anajy satria tonga ny fampankaram-badin'ny Zanak'ondry, die ny ampakarina efa niomagna.8 Nomena alalagna hekanjo lamba rongony mamiratre sy madio ijy''(fa ny lamba rongony die ireo asa marin'ireo olo-masina).9Ny anjely nijaka taminahy hoe: ''Soraty ijao: Tretrike ireo ijay nasaina tamin'ny fety fampakaram-badin'ny Zanak'ondry. Nijaka taminahy koa ijy hoe: ''Ireo die jaka marin'Andriamanitre.''10 Nenkohoke teo amin'ny tongotrane mba hanompo anajy iaho, fa hoy ijy taminahy: ''Aja manao an'ijao! Iaho die mpiara manompo aminao sy ireo rahalahinao ijay mitagna ny fijoroana vavolombelogna makasika an'i Jesôsy. Manompoa an'Andriamanitre, fa ny fijoroana vavolombelogna momba an'i Jesôsy die ny fanahin'ny faminaniana.''11Die nahita ny lagnitre nisokatre iaho die nijery ka nisy sôvaly fotsy. Ny mpideba ijay die nangihina hoe mahatoky sy marina. Amin'ny fahamarinana no hitsarany sy hiadiane. 12Ireo masone die hôtra ny lelan'afo afo, eo amin'ny lohane misy satro-boninahitre rahabe. Managna agnarana vôsoratre eo aminajy ijay tsy misy mahafantatre afa-tsy ijy mandy ijy. 13Menkanjo ankanjo lava ijay najoboke tao amin'ny rà ijy, die ny agnarany die nangihina hoe ny Jakan'Andriamanitre.14Ireo tafikan'ny lanitra die nagnarake anajy tamin'ny sôvaly fotsy, menkanjo lamba rongony, fotsy sy madio. 15Avy ao amin'ny vavane no mivôke ny sabatre marangitre ijay amin'ijany no handrahany ireo firenena, die hanapake an'dreo amin'ny fioke vy ijy. Magnitsake ao amin'ny famiazan'ny fahavigniran'ny havigniran'Andriamanitre Tsitoha ijy. 16Managna agnarana vôsoratre eo amin'ny akanjo lavany eo amin'ny fene ijy hoe: ''Mpanjakan'ny mpanjaka sy Tompon'ny tompo.''17Nahita anjely nitsangagna teo amin'ny masoandro iaho. Nagnatso tamin'ny feo mahare ireo vorogna magnidigna ambony aby ijy hoe: ''Avia, mivoria ho an'ny fety ben'Andrimanitre. 18Malaky hihinagna ny nofon'ireo mpitari-tafika, ny nofon'ireo lelahy mahery, ny nofon'ireo sôvaly sy ireo mpideba ijany, die ny nofon'ny lelahy manontolo, ny afaka sy ny andevo, ny tsy manan-danja sy ny mahery.''19Nahita ny bibi-dia sy ireo mpanjakan'ny tany niarake tamin'ny tafikan'dreo iaho. Nivory an'dreo mba hiady amin'ny raike ijay nideba sy amin'ny tafiny. 20Vôsambotre ny bibi-dia die niarake taminajy ny mpaminany sandoke ijay nanao ny famantarana teo anatrehany. Tamin'ny famantarana ireo no namitahane ireo ijay nandray ny marikan'ny bibi-dia sy ireo ijay nanompo ny sarine. Ijy roa ireo die natily velogna tao agnaty farihin'afo mirehitre solifara.21Ny ambin'ijy ireo die novonoina tamin'ny sabatre ijay nivôke ny vavan'ny raike ijay nideba ny sôvaly. Ny vorogna abiaby nihinagna ny nofo mangatsekan'ijy ireo.Chapter 20
1Ary nahita anjely nijotso avy tagny an-dagnitre iaho. Nanagna ny fagnalahidin'ny lavake tsy hita noanoa ijy, ary nanagna rojo vy lehibe tegny an-tagnany. 2Nanambotre an'ilay dragogna ijy, ny menaragna ela, ilay devoly, na satana, ary nofatorany arivo taogna. 3Natsipiny tagny amin'ny lavake tsy hita noanoa ijy, nohidiny ijany ary nasiana tombo-kase teo amin'ajy. Natao ijany mba tsy hagnambakany ny firenena rahabe koa manadra-pahatapitry ny arivo taogna. Afaran'ijany, die tsy mentsy havosotre fotôgna kelikely ijy.4Ary nahita seja fiandriagnana rahabe iaho. Nidoboke teo amboniny ireo ijay nomena fahefana mitsara. Nahita ny fagnahin'ireo ijay notapahin-doha iaho noho ny fijoroana vavolombelogna mahakasika an'i Jesôsy ary nohon'ny tenin'Andriamanitra. Tsy niankohoke tamin'ny bibi-dia na tamin'ny sariny areo, ary areo die nandà ny handray ny mariky ny bibi-dia teo amin'ny handrigny na teo amin'ny tanany. Tonga velogna indraike areo, ary nanjaka niarake tamin'i Kristy nandritry ny nandritran'ny arivo taogna.5Ny ambin'ireo maty die tsy velogna mandra-pahatapitry ny arivo taona. Ijany no fitsanganagna vôlohany. 6Sambatre ary masina ijay olo managna anjara amin'ny fitsanganagna vôlohany! Eo ankatrehan'ijany die tsy manan-kery ny fahafatesana faharoe. Areo die ho mpisorogna an'Andriamanitra sy Kristy ary hanjaka miarake amin'Ajy mandritran'ny arivo taogna.7Laha tapitre ny arivo taogna, die hovahana ao amin'ny tragnomejignany Satana. 8Hivôke ijy mba hamitake ny firenena rahabe egny amin'ny vajan-tany efatre-Goga sy Magoga-mba hitondra an-dreo miarake ho agny amin'ny ady . Areo die ho rahabe hôtrin'ny fasiky ny ranomasina.9Niakatre teo ambonin'ny tany lemaka areo ary nagnodidigna ny tobin'ireo mpino, ilay tanàna malala. Nefa nisy afo nijotso avy tagny an-dagnitre ary nandripaka an-dreo. 10Ny devoly, ijay namitake an-dreo, die natsipy tao amin'ny farihy afo solifara, toerana ijay hanipajana ny bibi-dia sy ny mpaminany sandoka. Ary ho ampijaliana andro aman'aligna mandrakijay ary mandrakijay areo11Ary nahita seja fiandriagnana fotsy lehibe iaho sy ilay nipetrake teo amboniny. Ny tany sy ny lagnitre die nilefa teo ankatrehany, kanefa tsy nisy toerana andehanan-dreo. 12Nahita ny maty iaho-ny lehibe ary ny kely-nijoro-teo alohan'ny seja fiandriagnana, ary novelarina ireo boky. Ary nisy boky raike novelarina-Ny Bokin'ny Fiaignana. Ny maty die notsaraina araka ijay vôsoratre tao amin'ireo boky, araka ireo asany.13Ny ranomasina namôke ny maty ijay tao agnatiny. Ny fahafatesana sy ireo fiainan-tsy hita die namôke ny maty ijay tao amin-dreo, ary ny maty die notsaraina araka ny raha nataony. 14Ny fahafatesana sy ny fiainan-tsy hita die natsipy tao amin'ny farihy afo. Ijany no fahafatesana faharoe- die ny farihy afo. 15Laha nisy agnarana tsy hita vôsoratre ao amin'ny Bokin'ny Fiaignana, die natsipy tao amin'ny farihy afo.
Chapter 21
1Avy eo iaho nahita lagnitra vaovao sy tany vaovao, fa fôgna ny lagnitra vôlohany sy ny tany vôlohany, ary tsy nisy koa ny ranomasina. 2Hitako ilay tanàna masina, Jerosalema vaovao, ijay nijotso avy agny an-dagnitra avy amin'Andriamanitra, vôomana hôtrin'ny ny akarina ampihengoana ho an'ny vadiny.3Naharegne feo mahare avy agny amin'ny seja fiandriagnana iaho magnano hoe: '' Indro! Eo amin'ny olo ny toeran' ny tabernakelin'Andriamanitra, ary hiaigna miaraka amin-dreo ijy. Ho olony areo, ary Andriamanitra tegnany hiaraka amin-dreo ary Ijy ho Andriamanitran-dreo. 4Hamafa ny ranomaso abiaby amin'ny mason-dreo Ijy, ary tsy hisy fahafatesana koa, na alahelo, na tagny, na fanaintaignana. Efa lasa ireo raha teo aloha5Ilay raike ijay nidoboke teo amin'ny seja fiandriagnana nijaka hoe:'' Indro! Nataoko vaovao ny raha abiaby.'' Hoy Ijy: ''Soraty ijao satria ireto teny ireto die mahatoky sy marina. 6Hoy Ijy tamin'ahy hoe:'' Efa vita ireo raha ireo! Iaho no Alfa sy Omega, ilay fiandohana sy fiafarana. ijay mangetaheta die homeko ho sotroina maimaim-poana avy amin'ny loharanon'ny fiaignana.7Ijay mandresy die handova ireo raha ireo, ary iaho no ho Andriamaniny, ary ijy ho janako. 8Fa ireo osa, tsy manam-pinoana, maharikoriko, mpamono olom, mpijangajanga, mpanao ody, mpanompo sampy, mpivande, die any amin'ny farihy mirehitr'afo solifara no toeran-dreo. Ijany no fahafatesana faharoe.''9Nagnatogna an'ahy ny raike tamin'ireo anjely fito, ilay raike ijay nanagna ireo lovia fito feno loja fito farany, ary hoy ijy hoe:" Avy ety. Ho atoroko anao ilay akarina, ilay vadin'ny Janak'ondry.'' 10Avy eo die nandôsiny tamin'ny Fanahy tagny amin'ny tendrommbohitra agnambo iaho ary nabokany an'ahy ilay Jerosalema tanàna masina mijotso avy any an-danitra avy amin'Andriamanitra.11Nanagna ny voninahitr'Andriamanitra i Jerosalema, ary ny famirapiratany die hôtrin'ny vato majava sarobidy, hôtrin'ny vato kristalina jaspy madio. 12Nanana rindrigna agnambo lehibe niaraka tamin'ny vavahady roa ambin'ny folo ijany, niaraka tamin'ny anjely roa ambin'ny folo teo amin'ireo vavahady. Teo amin'ireo vavahady no vôsoratra ny agnaran'ireo foko roa ambin'ny folon'ny janak'Isiraely. 13Nisy vavahady telo antsinanana, vavahady telo atsimo, ary vavahady telo andrefana.14Nanagna fototra roa ambin'ny folo ny rindrin'ilay tanàna, ary teo amin'ireo no nisy ireo agnarana roa ambin'ny folon'ny apostolin'ny Janak'ondry. 15Ilay raike ijay niresaka tamin'ahy die nanàgna fandrefesana volotara vita tamin'ny volamena mba handrefesana ny tanàna, ireo vavahadiny, ary ny rindrigny.16Miendrike efa-joro ilay tanàna; mitovy ny lavany sy ny sakany. Nandrefy ny tanàna tamin'ilay fandrefesana volotara ijy, roa arivo stadio ny halavany (mitovy ny lavany, sakany, ary hahavony). 17Nandrefe ny rindrign'ijany koa ijy, 114 hakiho raha refin'ny olo (ijay refin'ny anjely mandy koa).18Vita tamin'ny jaspy ilay rindrigna ary tamin'ny volamena tsy misy fangarony, hôtrin'ny ny fitaratra madio. 19Ny fototr'ilay rindrigna die vôravake tamin'ireo karajagna vato sarobidy abiaby. Ny vôlohany die jaspy, ny faharoe safira, ny fahatelo kalakedona, ny fahefatre emeralda, 20ny fahadimy sardoniksa, ny fahenina karneola, ny fahafito krysolita, ny fahavalo beryla, ny fahasivy topaza ny fahafolo krysopraso, ny faha iraika ambin'ny folo jacinta, ny faharoambin'ny folo ametysta.21Ny vavahady roa ambin'ny folo die vato majava roa ambin'ny folo; ny kiraidraike amin'ireo vavahady die vita tamin'ny vato majava raike. Ireo lalambe teo an-tanàna die volamena tsy misy fangarony, hôtrin'ny fitaratre mangarahara. 22Tsy nahita tempoly tao amin'ny tanàna iaho, satria Tompo Andriamanitra Tsitoha sy ny Janak'ondry no tempoliny.23Ny tanàna die tsy nila masoandro na volagna mba hampamirapiratre amin'ijany satria ny voninahitr'Andriamanitra die mamirapiratre tamin'ijany, ary ny Janak'ondry no jiron'ijany. 24Handeha amin'ny fahajavan'ijany tanàna ijany ireo firenena. Ireo mpanjakan'ny tany die hitondra ny fahatsaran-dreo ho ao amin'ijany. (Fagnamarihana: Ny antontan-taratasy taloha saragne die mivaky hoe:'' Ireo firenena ijay vôvonjy die handeha amin'ny fahajavan'ijany tanàna ijany. '') 25Tsy himpegna ireo vavahadin'ijany mandritry ny andro, ary tsy hisy aligna agny.26Hitondra ny fahatsarana sy ny hajan'ireo firenena ao amin'ijany areo, ary tsy hisy maloto hiditre ao amin'ijany mihitsy. 27Tsy hisy na ija na ija hanao raha mahamegnatre na mamitake hiditre ao, fa ireo ijay vôsoratre agnarana ao amin'ny Bokin'ny Janak'ondrin'ny fiaignana mandy.
Chapter 22
1Die nabôkan'ny anjely anahy ny onin'ny ranon'ny fiainana, madio hôtra ny vatosoa. Ijany die mikoriana laha tagny amin'ny seza fiandranan'Andriamanitra sy ny Zanak'ondry2 mamakivaky eo afovôn'ny lalan'ny tanàna. Die ny andaniny roa amin'ny ony die samy misy ny hazon'ny fiainana, mamoa karazany voa roa ambin'ny folo, die ijany die mamoa ny vôny isam-bolagna. Ny ravin'ijany hazo ijany die natao hagnafahana ny firenana manontolo.3Ka tsy hisy koa ny vôhozogna. Ny seza fiandrianan'Andriamanitra sy ny Zanak'ondry die ho ao amin'ny tanàna, die ny mpanompony die hanompo Anajy. 4Hahita ny Tarehiny an'dreo, die ny Agnarany die ho eo amin'ny handrignan'dreo.5 Ka tsy hisy aligna koa; an'dreo die tsy mila fahazavan'ny jiro na masoandro koa satria ny Tompo Andriamanitre no hazava eo amin'dreo. Die hanjaka mandrakizay doria an'dreo.6Hoy ny anjely taminahy: ''Ny jaka ireo die ajo atokisana sy marina. Ny tompo, ny Andriamanitr'ireo fanahin'ny mpaminany, die nandefa ny anjeliny mba hampiseho ijay raha tsy maintsy hitranga tsy ho ela amin'ny mpanompony.''7 Indro! Efa marivo ny feviako! Tretrike ijay mankàto ny jakan'ny faminaniana amin'itoy boky toy.''8Iaho, Jaona, ny raike ijay naharegny sy nahita ny raha reo. Rehefa naharegny s'y nahita ijany iaho, die nenkohoke teo amin'ny tongotrin'ny anjely ny tenako mba hidera ajy, ny anjely ijay nagnabôke anahy ny raha reo.9 Hoy ijy taminahy: ''Aza manao ijany! Fa mpanompo akamanao miarake aminao iaho, miarake amin'ny mpaminany rahalahinao, die miarake amin'ny ijay mankàto ny jakan'itoy boky toy. Miderà an'Andriamanitre!''10Hoy ijy taminahy: ''Aja asena tombo-kase ny jakan'ny faminaniana amin'toy boky toy, fa antomotre ny fotoagna.11 Ijay manao ny tsy mety, apetraho ijy hanohy ny tsy fahamarinana. Ijay maloto fiainana, apetraho ijy hanohy ny fiainany maloto. Ijay marina, apetraho ijy hanohy ny fanaovana ny marina. Ijay masina, apetraho ijy hanohy ny fahamasinan.''12''Indro! Efa marivo ny feviko. Ny valisoako die miarake aminahy, mba hamaliako ny kiraidraike arake ny raha-vitany.13 Iaho no Alfa sy Omega , ny vôlohany sy ny farany, ny fanombohana sy ny fiafarana.14Tretrike ny ijay manasa ny ankanjon'dreo mba hahazo alalagna mihinagna laha tamin'ny hazon'ny fiainana sy hiditre ao amin'ny tanàna laha teo amin'ny vavahady. (Fagnamarihana: Raha tokony: ''Tretrike ny ijay manasa ny ankanjon'ndreo.'' Ny antontan-taratasy hafa taloha die mivaky hoe: ''Tretrike ny ijay manao ny didiny.'') 15Fa agny ivelany ny amboa, ny mpanao ody, ny mpijangajanga, ny mpamono olo, ny mpanompo sampy, die ijay manontolo tia mivandy sy ny mivandy.16Iaho, Jesôsy, die nandefa ny anjeliko mba hagnambara aminareo ny raha ho an'ny fiangonana. Iaho no fotorany sy taranak'i Davida, ny kintagna mamirapiratre maraigna.''17Ny Fanahy sy ny Ampakarina manao hoe: ''Malaky!'' Ôka ijay maheregny hijaka hoe: ''Malaky!'' Na ija na ija mangetaheta, oôka ijy hagnatogna , die na ija na ija magniry, ijany, ôka ijy hahazo maimaim- pôna ny ranon'ny fiainana.18Iaho die magnambara amin'ijay aby maharegny ny jakan'ny faminanaiana amin'itoy boky toy: ''Raha misy manampy ireo, Andriamanitra hagnampy loza ho ajy ijay vôsoratre ao amin'toy boky toy. 19Raha misy mangala ny teny faminaina amin'toy boky itoy, Andriamanitra die hangala ny anjarany amin'ny hajon'ny fiainana sy ny tanàna masina ijay vôsoratre ao anatin'toy boky itoy.'' (Fagnamarihana: Ny antontan-taratasy taloha die mivaky hoe: ''Andriamanitra hangala ny anjarany ao amin'ny Bokin'ny Fiainana die ao amin'ny tanàna masina ijay vôsoratre ao amin'toy boky toy.'')20Hoy ny raike ijay magnabara ny raha ireo: ''Eka! Efa marivo ny feveko.'' Amena! Mevia, ry Tompo Jesôsy! 21Ho amin'olo aby anie ny fahasoavan'ny Tompo Jesôsy. Amena.